1 Tany am-boalohany, Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2 Tsy nisy endriny ary foana ny tany. Nandrakotra ny rano lalina ny fahamaizinana. Ary nivezivezy teo ambonin'ny rano ny Fanahin' Andriamanitra. 3 Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka hisy mazava," dia nisy ny mazava. 4 Hitan'Andriamanitra ny fahazavana, ary hitany fa tsara izany. Nampisaraka ny hazavana tamin'ny aizina Izy. 5 Andriamanitra niantso ny mazava hoe: "andro," ary niantso ny maizina hoe: "alina." Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro voalohany. 6 Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka hisy habakabaka eo anelanelan'ny rano, ary aoka izany hanasaraka ny rano amin'ny rano." 7 Andriamanitra nanao ny habakabaka sy nanasaraka ny rano izay tao ambanin'ilay habakabaka tamin'ny rano izay teo ambonin'ilay habakabaka. Dia nisy izany. 8 Ary nantsoin'Andriamanitra hoe: "lanitra" ilay habakabaka. Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro faharoa. 9 Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka ny rano ambanin'ny lanitra hiangona amin'ny toerana iray, ary aoka hiseho ny tany maina." Dia natao izany. 10 Nantsoin'Andriamanitra hoe: "tany" ny tany maina, ary ny rano miangona nataony hoe: "ranomasina." Hitany fa tsara izany. 11 Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka ny tany hitsimoka zava-maitso: zava-maniry mamoa voa ary hazo hamokatra vokatra izay misy ny voa ao aminy, araka ny karazany avy." Dia nisy izany. 12 Namokatra zava-maitso ny tany, ny zava-maniry mamoa voa araka ny karazany avy, ary ny hazo mamokatra voankazo izay ao aminy ny voany, araka ny karazany avy. Dia hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 13 Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro fahatelo. 14 Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka hisy ny mazava eo amin'ny lanitra mba hanasaraka ny andro amin'ny alina ary aoka ireo ho toy ny famantarana, ho an'ny vanim-potoana, sy ho an'ireo andro ary ireo taona. 15 Aoka ireo ho mazava eo amin'ny lanitra mba hanome hazavana eny amin'ny tany." Dia nisy izany. 16 Andriamanitra nanao ireo hazavana roa lehibe, ilay hazavana lehibe kokoa mba hanamarika ny andro, ary ny hazavana kelikely kokoa mba hanamarika ny alina. Nanao ny kintana ihany koa Izy. 17 Nandefa izany teny amin'ny lanitra Andriamanitra mba hanome hazavana ny tany, 18 mba hanapaka ny andro sy ny alina, ary mba hanasaraka ny hazavana amin'ny aizina. Hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 19 Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro faha-efatra. 20 Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka ho feno zava-manan'aina maro an'isa ny rano, ary aoka ny vorona hanidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra." 21 Andriamanitra namorona ireo bibin-dranomasina vaventy, ary koa ireo karazan-java-manan'aina rehetra, ireo zava-manan'aina mihetsika sy izay mameno ny rano eny rehetra eny, ary ireo karazana voro-manan'elatra rehetra. Hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 22 Nitso-drano azy ireo Andriamanitra, nanao hoe: "Miteraha maro ary mihamaroa, ka mamenoa ny rano ao amin'ny ranomasina. Aoka hihamaro eny ambonin'ny tany ireo vorona." 23 Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro fahadimy. 24 Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka ny tany hamokatra zava-manan'aina, araka ny karazany avy, ireo biby fiompy, zava-mandady, sy bibi-dian'ny tany, araka ny karazany avy." Dia nisy izany. 25 Nataon'Andriamanitra araka ny karazany avy ireo bibi-dian'ny tany, ireo biby fiompy araka ny karazany avy, ary ireo zavatra rehetra izay mikisaka amin'ny tany araka ny karazany avy. Hitany fa tsara izany. 26 Hoy Andriamanitra hoe: "Andeha isika hamorona olona amin'ny endritsika, tahaka antsika. Aoka izy ireo hanjaka eo amin'ireo hazan-dranomasina, eo amin'ireo voron'ny lanitra, eo amin'ireo biby fiompy, manerana ny tany rehetra, ary eo amin'ireo zavatra mikisaka rehetra izay mandady eny ambonin'ny tany." [1]27 Andriamanitra namorona ny olona araka ny endriny. Tamin'ny endriny manokana no namoronany azy. Lahy sy vavy no namoronany azy ireo. 28 Nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nilaza tamin'izy ireo hoe: "Miteraha maro, ary mihamaroa. Mamenoa ny tany, ary hanjakao izany. Manàna fanjakana eo amin'ireo hazan-dranomasina, eo amin'ireo voron'ny habakabaka, ary eo amin'ireo zava-manan'aina rehetra izay mihetsika eny ambonin'ny tany." 29 Hoy Andriamanitra hoe: "Indro, efa nomeko anareo ny zava-maitso rehetra mamoa voa izay eto ambonin'ny tany rehetra, ary ny hazo rehetra izay mamokatra voa ao aminy. Ho fihinanareo ireny. 30 Ho an'ny bibi-dian'ny tany, ho an'ireo voron'ny habakabaka, sy ho an'ireo zavatra rehetra izay mikisaka amin'ny tany, ary ho an'ireo zava-manan'aina izay manana fofon'aina eto an-tany no nanomezako ny zava-maitso rehetra ho fihinana." Dia nisy izany. 31 Hitan'Andriamanitra ireo zava-drehetra izay nataony. Indro, tena tsara izany. Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro faha-enina.
''Toy izao ny namboaran'Andriamanitra ny lanitra sy ny tany tany am-boalohany.'' Izao fanambarana izao no mamintina ny toko ambiny. Ny fiteny sasany mandika izany hoe '' Fahiny ela be Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.'' Adikao amin`ny fomba izay maneho fa zavatra tena nisy marina ary tsy angano fotsiny ihany.
Ity dia ilazana ny fiandohan'izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra eo amin`izany.
''ny lanitra, ny tany, ary ny zavatra rehetra eo amin'izy ireo"
Eto izany dia ilazana ny habakabaka.
Tsy mbola nandahatra izao tontolo izao Andriamanitra.
"ny rano" na "ny rano lalina" (UDB) na "ny rano midadasika"
"ny rano" na "ny velaran'ny rano"
Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana izany hazavana izany mba hisy, no naharin`Andriamanitra izany.
Nandinika ny fahazavana Andriamanitra ary finaritra tamin'izany." ny hoe: "tsara" eto dia midika hoe "mahafinaritra" na "mifanaraka."
"Nampisaraka ny hazavana tamin'ny haizina" na "nanao ny hazavana amin'ny fotoana iray ary ny haizina amin'ny fotoana hafa." Izany dia ilazana ny naharin'Andriamanitra ny andro sy ny alina.
Nanao ireo zavatra ireo tamin'ny andro voalohany nisin'izao rehetra izao Andriamanitra.
Ilazana ny andro manontolo. Ny mpanoratra dia miresaka ny andro manontolo toy ny mizara roa. Amin'ny fomba Jiosy, ny andro dia manomboka amin'ny fodian'ny masoandro.
Baiko ireo. Tamin'izany fibaikona ny habakabaka mba hisy sy ny hisarahan'izany amin'ireo rano, no nanaovan'Andriamanitra izany ho hisy sy nanasarahany ny rano.
"toerana foana midadasika." Ny olona Jiosy dia nihevitra izany toerana izany toy ny nomena hendrika tahaka ny ao anatin'ny tafo lehibe na ny anatin'ny baolina izay navadika ambany.
"ao amin'ny rano"
Tamin'izany fomba izany no nanaovan'Andriamanitra ny habakabaka sy nampisarahany ireo rano." Raha niteny Andriamanitra, dia nitranga izany. Ity fehezanteny ity dia manazava izay nataon'Andriamanitra raha niteny Izy.
"Toy izany no nitrangany" na "Tahaka izany no niseho." Izay nobaikon'Andriamanitra dia nitranga araka izay nolazainy hisehoany. Ity andian-teny dia hita ao amin'ny toko manontolo ary mitovy dika foana n'aiza n'aiza ahitana azy.
Ilazana ny andro manontolo. Ny mpanoratra dia miresaka ny andro manontolo toy ny mizara roa. Amin'ny fomba Jiosy, ny andro dia manomboka amin'ny fodian'ny masoandro. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny toko 1:3.
Izany dia ilazana ny andro faharoa izay nisin'izao rehetra izao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny toko 1:3 ary manapaha hevitra raha tokony handika izany mitovy ianao.
Afaka hadika mivadi-drafitra izany. Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ireo rano hiangona miaraka, Andriamanitra dia nampiangona azy ireo. DH: "Aoka ireo rano...hiangona" na "Aoka ireo rano... hiaraka ho avy" (UDB)
Ny rano dia nanarona ny tany. Ankehitriny ny rano dia hikisaka kely ary ny sasany amin'ny tany dia tsy ho voasarona. Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny hisehoan'ny tany maina, Andriamanitra dia nampisy izany. DH: "aoka ho hita ny tany maina" na "aoka ho hita mazava ny tany maina" na "aoka ny tany tsy ho voasarona"
Ilazana ny tany tsy voasaron'ny rano izany. Tsy entina manondro ny tany izay maina loatra ho an'ny fambolena izany.
"Toy izany no nitrangany" na "Tahaka izany no niseho." Izay nobaikon'Andriamanitra dia nitranga araka izay nolazainy hisehoany. Ity andian-teny ity dia hita ao amin'ny toko manontolo ary mitovy dika foana n'aiza n'aiza ahitana azy. Adikao toy ny ao amin'ny 1:6
Eto ny hoe :"izany" dia ilazana ny tany sy ny ranomasina. Jereo ny nandikanao azy tao amin'ny 1:3.
Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny hitsimoahan'ny zava-maitso amin'ny tany, no nampitsimohan'Andriamanitra izany. DH: "Aoka ny zava-maitso hitsimoka amin'ny tany" na "Aoka ny zava-maitso haniry amin'ny tany
"zava-maitso, ny hazo izay mamoa voa sy ny hazo izay mamokatra voankazo" na "zava-maitso. Aoka izy ireo ho hazo hamokatra voa sy hazo hamokatra voankazo."Ny zava-maitso" dia ampiasaina eto hilazana amin'ny ankapobeny, izay ahitana ny zava-maniry rehetra sy ireo hazo.
Karazana zava-maitso izay malemy ny sampany, nohon'ny ratsan-kazo.
"hazo izay mamokatra voankazo izay misy voa ao aminy"
Ireo voa izay hamokatra zava-maniry sy hazo izay ho tahaka ny izay nipoirany. Amin'izany fomba izany no hamokaran' ireo zava-maniry sy ireo hazo" (UDB)
"Toy izany no nitrangany" na "Tahaka izany no niseho." Izay nobaikon'Andriamanitra dia nitranga araka izay nolazainy hisehoany. Ity andian-teny ity dia hita ao amin'ny toko manontolo ary mitovy dika foana n'aiza n'aiza ahitana azy. Adikao toy ny ao amin'ny 1:6
Eto ny hoe: "izany" dia ilazana ny zava-maitso, zava-maniry, ary ny hazo. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 1:9
Ilazana ny andro manontolo. Ny mpanoratra dia miresaka ny andro manontolo toy ny mizara roa. Amin'ny fomba Jiosy, ny andro dia manomboka amin'ny fodian'ny masoandro. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny toko 1:3.
Izany dia ilazana ny andro fahatelo izay nisin'izao rehetra izao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny toko 1:3 ary manapaha hevitra raha tokony handika izany mitovy ianao.
Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny hisian'ny fahazavana, Andriamanitra dia nampisy azy ireo.
"zavatra mamiratra eny amin'ny lanitra" na "zavatra izay manome hazavana eny amin'ny lanitra." Ilazana ny masoandro, ny volana, ary ireo kintana.
"eny amin'ny habakabakin'ny lanitra" na "eny amin'ny toerana midadasikin'ny lanitra"
"hanasaraka ny andro amin'ny alina." Midika hoe: "hanampy antsika amin'ny hilazana ny tsy mampitovy ny andro sy ny alina." Ny masoandro milaza ny andro, ary ny volana sy ireo kintana milaza ny alina.
Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny hampiasaina azy ireo ho famantarana, Andriamanitra dia nanao azy ireo ho famantarana. DH: "Aoka hampiasaina ho toy ny famantarana izy ireo" na "Aoka hiseho izy ireo"
Eto izany dia midika ho fanambara zavatra na manondro zavatra.
"vanim-potoana" ilazana ireo fotoana izay natokana ho firavoravoana sy ireo zavatra hafa izay ataon'ny olona.
Ny masoandro, ny volana, ary ireo kintana no maneho ny fandehanan'ny fotoana. Izay hahafahantsika mahafantatra rehefa ho fotoanan'ny tranga izay miseho isan-kerin'andro, isam-bolana, na isan-taona.
Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny hanazavan'izy ireo ny tany, Andriamanitra nanao azy ireo hanazava ny tany.
"hiposaka hazavana eo amin'ny tany" na "hampamirapiratra ny tany." Tsy miposaka hazavana ho azy ny tany fa nohazavaina ary noho izany dia mitaratra hazavana.
"Toy izany no nitrangany" na "Tahaka izany no niseho." Izay nobaikon'Andriamanitra dia nitranga araka izay nolazainy hisehoany. Ity andian-teny ity dia hita ao amin'ny toko manontolo ary mitovy dika foana n'aiza n'aiza ahitana azy. Adikao toy ny ao amin'ny 1:6
"Tamin'izany fomba izany no nanaovan'Andriamanitra ireo hazavana roa lehibe." Izany fehezanteny izany dia manazava izay nataon'Andriamanitra raha niteny izy.
"ireo hazavana roa mivelatra" na "ireo hazavana roa mamiratra." Ireo hazavana roa lehibe dia ny masoandro sy ny volana.
"hitarika ny andro toy ny hitarihan'ny mpanapaka ny vondron'olona iray" na "hanamarika ireo fotoanan'ny andro"
ilazana ireo ora hazavan'ny andro.
"ny hazavana kely kokoa" na "ny hazavana mitsolopilopy"
"any amin'ny lanitra" na "any amin'ny toerana misokatrin'ny lanitra"
"Nampisaraka ny hazavana tamin'ny haizina" na "nanao ny hazavana amin'ny fotoana iray ary ny haizina amin'ny fotoana hafa." Jereo ny nandikanao izany tany amin'ny 1:3.
Eto ny hoe :"izany" dia ilazana ny masoandro, ny volana ary ireo kintana. Jereo ny nandikanao azy tany amin'ny 1:3.
Ilazana ny andro manontolo. Ny mpanoratra dia miresaka ny andro manontolo toy ny mizara roa. Amin'ny fomba Jiosy, ny andro dia manomboka amin'ny fodian'ny masoandro.Jereo ny nandikanao azy tany amin'ny 1:3.
Izany dia ilazana ny andro faha efatra izay nisin'izao rehetra izao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny toko 1:3 ary manapaha hevitra raha tokony handika izany mitovy ianao.
Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny zava-manan'aina hameno ireo rano, Andriamanitra nampisy azy ireo. Ny teny sasany mety hanana teny iray izay ilazana ireo karazana trondro sy bibin-dranomasina rehetra. DH: "Aoka ny rano ho feno zava-manan'aina maro" na "Aoka ny biby milomano maro hiaina ao amin'ny ranomasim-be"
Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny vorona hanidina, Andriamanitra nampanidina azy ireo.
"biby izay manidina" na "ireo zavatra manidina"
"ny toerana misokatrin'ny lanitra" na "ny lanitra"
"Tamin'izany fomba izany no naharin'Andriamanitra"
"biby vaventy izay miaina any an-dranomasina"
Zava-man'aina an'ireo "karazany" mitovy amin'izay nipoirany. Jereo ny nandikanao ny "karazana" ao amin'ny 1:11.
"Ny zavatra manidina izay manan'elatra rehetra."Raha nampiasaina ny teny hoe ho an'ny vorona, dia ho mazava kokoa amin'ny fiteny sasany ny miteny tsotra hoe :"ny vorona rehetra", satria ny vorona rehetra dia manan'elatra.
Eto ny hoe:"izany" dia ilazana ireo vorona sy ny trondro. Jereo ny nandikanao azy tany amin'ny 1:3.
Nitso-drano ireo biby izay noforoniny"
Tso-dranon'Andriamanitra izany. Noteniny ireo biby izay miaina any an-dranomasina mba hiteraka biby miaina any an-dranomasina maro mitovy amin'izy ireo, mba ho maro an'isa izy ireo any an-dranomasina. Ny teny hoe: " mihamaroa" dia manazava ny amin'ny "hamokarana be".
"mitomboa an'isa fatratra"
Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny vorona hihamaro, Andriamanitra nampahamaro ireo vorona.
"biby izay manidina" na "ireo zavatra manidina". Jereo ny nandikanao azy tany amin'ny 1:20.
Ilazana ny andro manontolo. Ny mpanoratra dia miresaka ny andro manontolo toy ny mizara roa. Amin'ny fomba Jiosy, ny andro dia manomboka amin'ny fodian'ny masoandro.Jereo ny nandikanao azy tany amin'ny 1:3.
Izany dia ilazana ny andro faha dimy izay nisin'izao rehetra izao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny toko 1:3 ary manapaha hevitra raha tokony handika izany mitovy ianao.
"Aoka ny tany hamokatra zava-manan'aina" na "Aoka ho betsaka ny biby miaina eo amin'ny tany." Baiko izany. Tamin'ny fibaikoana ny tany hamokatra zava-manan'aina , Andriamanitra nahatonga ny tany hamokatra zava-manan'aina.
"mba hamokaran'ireo karazana biby rehetra maro tahaka ny karazany avy"
Maneho izany fa nahary ny karazana biby rehetra Andriamanitra. Raha manana fomba hisokajiana ny biby rehetra ny teninao, dia afaka ampiasainao izany, na koa afaka mampiasa ireo vondrona ireo ianao.
"biby izay karakarain'ny olona"
"ireo biby kely"
"biby dia" na "biby mampidi-doza"
"Toy izany no nitrangany" na "Tahaka izany no niseho." Izay nobaikon'Andriamanitra dia nitranga araka izay nolazainy hisehoany. Ity andian-teny ity dia hita ao amin'ny toko manontolo ary mitovy dika foana n'aiza n'aiza ahitana azy. Adikao toy ny ao amin'ny 1:6
"Tamin'izany fomba izany no namoronan'Andriamanitra ireo biby dia"
Eto ny "izany" dia ilazana ny zava-manan'aina eo amin'ny tany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:3
Ny teny "isika" eto dia ilazana an'Andriamanitra. Andriamanitra niteny izay nokasainy hatao. Ny mpisolo tena "isika" dia mihoatra ny iray. Mety ho antony hampiasaina ny mpisolo tena miendrika maro 1) ny endrika maro an'isa dia mety maneho fa Andriamanitra miresaka zavatra amin'ireo anjeliny izay manao ny fitsarana any an-daniny na 2) ny endrika maro an'isa dia tandidon'ny Testameta Vaovao taty aoriana izay mampiditra fa Andriamanitra dia miseho amin'ny endrika Masina telo izay iray. Ny sasany mandika izany hoe "Aoka aho hanao" na "hanao aho". Raha manao izany ianao, mihevera hanampy fanamarihana ambany pejy hilazana fa ilay teny dia miendrika maro.
"olombelona" na "olona". Eto izany teny izany dia tsy midika ho lehilahy fotsiny.
Izany andian-teny roa izany dia manana hevitra mitovy ary manamafy fa Andriamanitra dia nanao ny olombelona tahaka Azy. Ity andininy ity dia tsy milaza ny amin'izay nataony tamin'ny olona ho tahaka Azy. Andriamanitra dia tsy manana vatana, noho izany dia tsy midika izany fa ny olona dia mitovy amin'Andriamanitra. DH: "ho tena tahaka antsika"
"hanapaka" na "hanana fahefana eo amin'ny"
Ireo fehezanteny roa ireo dia manana dika mitovy ary manamafy fa Andriamanitra dia namorona ny olona ho tahaka ny endriny.
Ny fomba namoron'Andriamanitra ny olona dia tsy mitovy tamin'ny namoronany ny zavatra hafa rehetra. Aza atao manokana hoe Andriamanitra namorona ny olona tamin'ny teny fotsiny, araka ireo andininy teo aloha.
Ny teny hoe: "azy ireo" dia ilazana ny lehilahy sy ny vehivavy izay noforonin'Andriamanitra.
Andriamanitra niteny tamin'ny lehilahy sy ny vehivavy hamokatra olona maro tahaka azy ireo mba ho maro izy ireo. Ny teny "mamokara" dia manazava ny "hiterahany maro". Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 1:22
Fenoy olona ny tany.
Nanohy niteny Andriamanitra
"ny vorona rehetra izay manidina eny amin'ny lanitra"
"izay miaina" (UDB). Ity andian-teny dia manamafy fa ireo biby ireo dia manana fiainana hafa noho ireo zava-maniry. Ny zava-maniry dia tsy miaina, ary nampiasaina ho sakafom-biby. Eto ny "fiainana" dia midika ho fianana ara-batana.
"Toy izany no nitrangany" na "Tahaka izany no niseho." Izay nobaikon'Andriamanitra dia nitranga araka izay nolazainy hisehoany. Ity andian-teny ity dia hita ao amin'ny toko manontolo ary mitovy dika foana n'aiza n'aiza ahitana azy. Adikao toy ny ao amin'ny 1:6
"Tokoa". Ny teny hoe: "indro" eto dia manamafy izay ao aoriany.
Ary rehefa nijery ny zavatra rehetra izay nataony Andriamanitra, dia "tena tsara izany". Jereo ny nandikanao ny hoe :"tsara izany" ao amin'ny 1:9
Ilazana ny andro manontolo. Ny mpanoratra dia miresaka ny andro manontolo toy ny mizara roa. Amin'ny fomba Jiosy, ny andro dia manomboka amin'ny fodian'ny masoandro.Jereo ny nandikanao azy tany amin'ny 1:3.
Izany dia ilazana ny andro faha enina izay nisin'izao rehetra izao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny toko 1:3 ary manapaha hevitra raha tokony handika izany mitovy ianao.
1 Ary dia vita ny lanitra sy ny tany, sy ny zava-manan'aina rehetra izay mameno azy. 2 Tamin'ny andro fahafito Andriamanitra dia efa hamarana ny asany izay nataony, ka noho izany dia nitsahatra tamin'ny asany rehetra Izy tamin'ny andro fahafito. 3 Notahin'Andriamanitra ny andro fahafito ary nanamasina izany, satria tamin'izany no nitsaharany tamin'ny asa rehetra izay nataony tamin'ny famoronany. 4 Ireto ny tranga mahakasika ny lanitra sy tany, rehefa nohariana izany, tamin'ny andro izay namoronan'i Yaveh Andriamanitra ny tany sy lanitra. 5 Tsy mbola nisy ny kirihitrin'ny saha teny amin'ny tany, ary tsy mbola nitsimoka ny zava-maniry teny an-tsaha, satria Yaveh Andriamanitra tsy mbola nandatsaka orana tamin'ny tany, ary tsy nisy olona niasa tany. 6 Fa nisy zavona avy tamin'ny tany ka nandena ny velaran'ny tany rehetr. 7 Namolavola ny olona avy tamin'ny vovon-tany i Yaveh Andriamanitr, ary nofofoiny tamin'ny fofon'ain'ny fahavelomana ny vavorony, ka tonga olombelona. 8 Yaveh Andriamanitra nanamboatra saha tao atsinanana, tao Edena, ary napetrany tao ny olona izay novolavolainy. 9 Tambonin'ny tany no nampanirin'i Yaveh Andriamanitra ny hazo rehetra izay hita fa mahafinaritra ny maso sady tsara ho amin'ny sakafo. Anisan'izany ny hazon'aina izay teo afovoan'ny saha, sy ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. 10 Nisy ony nivoaka avy ao Edena nanondraka ny saha. Nizarazara avy tany izany ka tonga ony efatra. 11 Pisona no anaran'ilay vohalohany. Izy irery ihany no mikoriana manodidina ilay tany rehetran'i Havila, izay misy volamena. 12 Tsara ny volamenan'izany tany izany. Misy bedola sy vato berila ihany koa. 13 Gihona no anaran'ilay ony faharoa. Izy io dia mikoriana manerana ny tany Kosy. 14 Ny anaran'ilay ony fahatelo dia Tigra, izay mikoriana atsinanan'i Asyria. Eofrata ny ony faha-efatra. 15 Nalain'i Yaveh Andriamanitra ralehilahy ary nametraka azy tao amin'ny saha Edena mba hiasa sy hihazona izany. 16 Nandidy an-dralehilahy Yaveh Andriamanitra, nanao hoe: "Avy amin'ny hazo rehetra any amin'ny saha dia azonao hihinana. 17 Fa avy amin'ilay hazon'ny fahalalana ny tsara sy ratsy kosa no tsy azonao hihinana, fa amin'ny andro hihinananao avy amin'izany, dia ho faty tokoa ianao." 18 Avy eo Yaveh Andriamanitra niteny hoe: "Tsy tsara raha irery ralehilahy. Hanamboarako namana sahaza azy izy." 19 Avy amin'ny tany no nanamboaran'i Yaveh Andriamanitra ny bibin'ny saha rehetra sy ny voron'ny habakabaka rehetra. Ary nentiny teo amin-dralehilahy izy rehetra mba hahitany izay mety hiantsoany azy. Na inona na inona niantsoan-dralehilahy ny zava-manan'aina tsirairay, dia izany no anarany. 20 Nomen-dralehilahy anarana daholo ny biby fiompy, ny voro-manidina rehetra eny amin'ny habakabaka, ary ny bibidian'ny saha. Nefa tsy nahitàna namana sahaza azy ralehilahy. 21 Nampatorian'i Yaveh Andriamanitra lalina ralehilahy, ka dia natory ralehilahy. Naka iray tamin'ny taolan-tehezany i Yaveh Andriamanitra ary nanakatona ny nofo izay nakany ilay taolan-tehezana. 22 Tamin'ilay taolan-tehezana izay nalain'i Yaveh Andriamanitra tamin-dralehilahy, no nanamboarany vehivavy iray sy nitondràna azy teo amin-dralehilahy. 23 Hoy ralehilahy hoe: "Izao kosa, dia taolana avy amin'ny taolako ity, ary nofo avy amin'ny nofoko. Hantsoina hoe 'Vehivavy' izy, satria nalaina avy tamin'ny lehilahy." 24 Noho izany handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy, hikambana amin'ny vadiny izy, ary ho tonga nofo iray izy ireo. 25 Samy nitanjaka izy ireo, ralehilahy sy ny vadiny, fa tsy nahalala menatra.
"ny lanitra" na "ireo lanitra"
"ary ny zava-manan'aina maro rehetra izay miaina eo amin'izy ireo" na "ary ireo zava-manan'aina betsaka eo aminy"
HD: "Vitan'Andriamanitra ny famoronana azy ireo"
Tsy dia niasa firy Andriamanitra tamin'ny andro fahafito.
Fomba fiteny izany. DH: "nahavita"
"tsy niasa Izy tamin'izany andro izany"
Ireo mety ho heviny dia 1) Andriamanitra nahatonga ny andro fahafito ho famokarana vokatra tsara na 2)Andriamanitra dia niteny fa tsara ny andro fahafito.
"ary nanokana izany" na "niantso izany ho Azy"
"tsy niasa izy tamin'izany"
Ny ambin'ny Genesisy 2 dia mitantara ny momba namboaran'Andriamanitra ny olona tamin'ny andro faha enina.
"tantaran'ny lanitra sy ny tany izany" na "tantara mahakasika ny lanitra sy ny tany izany." Ireo mety ho heviny dia 1)famehezana ny tantara izay manoritsoritra ny Genesisy 1:1-2:3 na 2)mampiditra ny fanotsoritana ireo tranga ao amin'ny Genesisy 2. Raha mety, dia adikao izany mba hahazahoan'ny olona izany amin'ny fomba hafa.
"Yaveh Andriamanitra namorina azy ireo." Ao amin'ny toko voalohany ny mpanoratra dia miresaka hatrany an'Andriamanitra ho "Andriamanitra", fa ao amin'ny toko faha 2 izy dia miresaka hatrany an'Andriamanitra ho "Yaveh Andriamanitra"
"tamin'ny namoronan'i Yaveh Andriamanitra." Ny teny hoe: "andro" dia ilazana ny fotoanan'ny famoronana manontolo, fa tsy andro iray manokana.
Anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoakany tany amin'ny Testameta taloha izany. Jereo ny pejin'ny fandikan-teny momba an'i Yaveh ny mikasika handikana izany.
tsy nisy ahitra naniry izay mety hohanin'ny biby tany amin'ny efitra
tsy nisy zava-maniry mandravina toy ny legioma na zava-maitso izay mety hohanin'ny biby sy ny olona
manao ny asa rehetra izay tokony hataony mba hahafahan'ny zava-maniry mitombo tsara
Ireo mety ho heviny dia: 1) zavatra toy ny ando na ny zavona maraina na 2) loharano avy amin'ny rano ambanin'ny tany.
ny tany manontolo
"mamolavola" na "manome endrika" na "mamorina"
"olombelona... ilay olona" na "olona... ilay olona" fa tsy ny lehilahy manokana
"ny orony"
"fofon'aina mahavelona ny zavatra." Eto ny "aina" dia ilazana ny fiainana ara-batana.
Mety ho saha hanirin'ny voankazo na toerana misy ny karazan-kazo rehetra.
"any atsinanana"
"hazo izay manome fiainana ho an'ny olona"
Eto izany dia midika "fiainana mandrakizay" na fiainana izay tsy manana fahataperana.
"ny hazo izay manome ny olona ny fahafahana mahafantatra ny tsara sy ny ratsy" na "ny hazo izay mahatonga ny olona izay mihinana ny voany hahafantatra ny zavatra tsara sy ny zavatra ratsy"
Izany dia hevitra ambadika ilazana ny tafahoatra sy ny zavatra eo anelanelany. DH: "ny zavatra rehetra, ao anatin'izany ny tsara sy ny ratsy"
"teo afovoan'ny saha." Ireo hazo roa dia mety tsy tena teo afovoan'ny saha.
Tao Edena no nisy ny saha. Ny ony dia nitohy nikoriana tany ivelan'i Edena. DH: "Nisy ony nikoriana nanerana an'i Edena mba hanondraka ny saha."
Eto ihany ity ony ity no voatondro ato amin'ny Baiboly.
"ny tany manontolo no nantsoina hoe: Havila." Tany ho any amin'ny Efitr'i Arabiana.
Ity andian-teny ity dia manome fampafantarana mikasika ny Havila. Ny fiteny sasany mandika izany amin'ny fehezanteny misaraka. DH:" Misy volamena ao Havila"
Ny teny hoe :"ao" dia natao ao amin'ny voalohan'ny fehezanteny mba hisongadina. DH:" Any ihany koa no hahitan'ny olona bedola sy vato berila"
Izany dinty izany dia avy amin'ny hazo ary manim-pofona. Ny dinty dia zavatra miraikidraikitra izay mivoaka avy amin'ny hazo ary azo ampirehetina.
"vato berila." Ny berila dia karazana vato tsara endrika.
Eto ihany no voatonona izany ony izany ao amin'ny Baiboly.
Tsy manarona ny tany manontolo ny ony, fa mamehy faritra maron'ny tany.
"ny tany manontolo no nantsoina hoe Kosy"
" izay mikoriana any amin'ny tany atsinanan'i tanan'i Asyria." Ny Ony Tigra dia mikoriana avy any avaratra makany atsimo. Ny andian-teny izay mikoriana atsinanan'i Asyria" dia mampahafantatra izay misy ny toeran'ny Ony Tigra. Misy fiteny mandika izany amin'ny fehezanteny misaraka. DH: "ary mikoriana any atsinan'ny Asyria izany"
"ny saha izay tao Edena"
"mba hamboly izany." Ny hevitr'izany dia manao izay rehetra tokony hatao mba hitombon'ny zava-maniry tsara.
hihambina an'izany manoloana ny zavatra ratsy izay mety hitranga amin'izany
"Ny voankazo avy amin'ny hazo rehetra any amin'ny saha"
Ity mpisolo tena ity dia entina milaza olona iray.
Amin'ny fiteny sasany dia fanao kokoa ny milaza ny tsy azo atao aloha avy eo vao milaza ny azo atao, tahaka ny ao amin'ny UDB.
"azo hohanina tsy misy fandrarana"
"ny hazo izay manome ny olona ny fahafahana mahafantatra ny tsara sy ny ratsy" na "ny hazo izay mahatonga ny olona izay mihinana ny voany hahafantatra ny zavatra tsara sy ny zavatra ratsy". Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 2:9.
"Tsy hamela anao hihinana amin'izany Aho" (UDB) na "tsy mahazo mihinana ianao"
"Hanamboarako namana izay mety tsara aminy izy"
Ny andian-teny "eny an-tsaha" sy ny "an'ny habakabaka" dia milaza ny toerana ahitana ireo biby sy ireo vorona matetika. DH: "ireo karazana biby sy vorona rehetra."
"ny biby rehetra izay karakarain'ny olona"
DH: "tsy nisy namana mety ho azy"
"nahatonga an-dralehilahy hatory fatratra." Ny torimaso lalina dia fotoana hatorian' ny olona, izay tsy maha mora voakorotana na mahataitra azy.
"Tamin'ilay taolan-tehezana...no namolavolainy vehivavy." Avy amin'ny taolan-tehezana no nanamboaran'Andriamanitra ny vehivavy.
"Ary farany, ny taolan'izany dia toy ireo taolako, ary ny nofony dia toy ny nofoko." Tao aoriana ny fitadiavana sakaiza teo amin'reo biby rehetra sy ny tsy fahitana na iray, dia farany izy nahita olona izay mitovy aminy ary mety ho sakaizany. Mety maneho ny fihetseham-pon'ny fahamaivanany sy fifaliana ralehilahy.
Izany dia ilazana ny faritra malemin'ny vatana toy ny hoditra sy ny hozatra.
Ny mpandika teny dia mety te hanampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny 'vehivavy' amin'ny teny Hebreo dia mitovy fanonona amin'ny 'lehilahy' amin'ny fiteny Hebreo
izao manaraka izao dia nosoratan'ny mpanoratra. Ralehilahy dia tsy niteny izao zavatra izao
"izany no antony"
"hitsahatra hitoetra ao amin'ny tranon'ny rainy sy ny reniny ny lehilahy." Mahakasika ny lehilahy amin'ny akabopeny izany. Tsy ilazana lehilahy iray manokana amin'ny fotoana manokana.
Ity fomba fiteny ity dia miresaka ny firaisana ara-nofo toy ny heverina fa ireo vatana izay mikambana dia vatana iray"
Ny teny hoe: "izy ireo" dia ilazana ilay lehilahy sy ilay vehivavy izay noforonin'Andriamanitra.
"tsy miankanjo"
"tsy nahalala menatra ny amin'ny fitanjahany izy ireo" (UDB)
1 Ary ny menarana dia malina kokoa noho ny bibidia rehetra teo amin'ny saha izay namboarin'i Yaveh Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy hoe: "Tena nilaza tokoa ve Andriamanitra hoe: 'Tsy azonareo hihinanana ny hazo rehetra ao amin'ny saha?'" 2 Dia hoy ravehivavy tamin'ilay menarana hoe: "Azonay hihinanana ny voan'ny hazo ao an-tsaha, 3 fa mahakasika ny hazo izay eo afovoan'ny saha kosa, dia hoy Andriamanitra hoe: 'Tsy azonareo atao ny mihinana izany, na mikasika izany, fandrao ho faty ianareo.'" 4 Hoy ilay menarana tamin-dravehivavy hoe: "Tsy ho faty izany ianareo. 5 Fa fantatr'Andriamanitra fa amin'ny andro hihinananareo izany dia hahiratra ny masonareo, ary hitovy amin'Andriamanitra ianareo, mahalala ny tsara sy ny ratsy." 6 Rehefa hitan-dravehivavy fa tsara ho hanina ny hazo, sady nahafinaritra ny maso, ary ilay hazo dia nampitsiriritra fa mampahendry, dia naka ny sasany tamin'ny voany izy ka nihinana izany. Avy eo dia notolorany ihany koa ny vadiny izay niaraka taminy, ka nihinana izy. 7 Nahiratra ny mason'izy ireo, ka dia fantatr'izy ireo fa nitanjaka izy ireo. Nanjaitra ravin'aviavy nakambana izy ireo ary nanamboatra fitafy ho an'ny tenany. 8 Nandre ny feon'i Yaveh Andiamanitra nandehandeha tao amin'ny saha izy ireo raha malomaloka iny ny andro, ka dia niery ny fanatrehan'i Yaveh Andriamanitra teo amin'ireo hazon'ny saha ralehilahy sy ny vadiny. 9 Niantso an-dralehilahy Yaveh Andriamanitra ka nanao taminy hoe: "Aiza ianao?" 10 Hoy ralehilahy hoe: "Nandre Anao tao an-tsaha aho, ka natahotra aho, satria nitanjaka. Noho izany dia niafina aho." 11 Hoy Andriamanitra hoe: "Iza no nilaza taminao fa nitanjaka ianao? Moa ve ianao nihinana avy tamin'ilay hazo izay nandidiko anao tsy hihinànana?" 12 Hoy ralehilahy hoe: "Ny vehivavy izay nomenao hiaraka amiko, izy no nanome ahy ny voa avy tamin'ilay hazo, ka nihinana izany aho." 13 Ary hoy Yaveh Andriamanitra tamin-dravehivavy hoe: "Inona izao nataonao izao?" Ravehivavy nanao hoe: "Nandainga tamiko ny menarana, ka dia nihinana aho." 14 Dia hoy Yaveh Andriamanitra tamin'ilay menarana hoe: "Satria nanao izao ianao, dia ianao irery no voaozona amin'ny biby fiompy sy ny bibi-dian'ny saha rehetra. Amin'ny kibonao no handehananao, ary vovoka no ho fihinanao amin'ny andro rehetra hiainanao. 15 Hasiako fifandrafiana eo aminao sy ny vehivavy, ary eo amin'ny taranakao sy ny taranany. Hanorotoro ny lohanao izy, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony." 16 Dia hoy Izy tamin-dravehivavy hoe: "Hampitomboiko ny fanaintainanao raha miteraka; amin'ny fanaintainana no hiterahanao ireo zanakao. Ny fanirianao dia ho an'ny vadinao, fa izy kosa hanapaka eo aminao." 17 Dia hoy Izy tamin'i Adama hoe: "Satria nihaino ny feon'ny vadinao ianao, ary nihinana tamin'ny hazo, momba izay nandidiko anao, manao hoe: 'Tsy azonareo hihinanana izany,' dia voaozona ny tany noho ny aminao; amin'ny alalan'ny asa feno fanaintainana no hihinananao avy amin'izany amin'ny andro rehetra hiainanao. 18 Hamokatra tsilo sy songosongo ho anao izany, ary hihinana ireo zava-manirin'ny saha ianao. 19 Amin'ny hatsembohan'ny tavanao no hihinananao mofo, mandram-piverinao amin'ny tany, fa avy amin'izany no nakana anao. Fa vovoka ianao, ary mbola hody vovoka indray." 20 Eva no nataon-dralehilahy anaram-badiny satria izy no renin'ny manan'aina rehetra. 21 Dia nanamboaran'i Yaveh Andriamanitra akanjo hoditra i Adama sy ny vadiny ka nampitafy azy ireo. 22 Dia hoy Yaveh Andriamanitra hoe: "Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ralehilahy, mahalala ny tsara sy ny ratsy. Koa ankehitriny dia tsy azony atao ny mampitsotra ny tanany, maka avy eo amin'ny hazon'aina, hihinana izany, ka ho velona mandrakizay. 23 Ka noho izany dia noroahin'i Yaveh Andriamanitra hiala tao amin'ny saha Edena izy, mba hiasa ny tany izay nakana azy. 24 izany dia noroasin'Andriamanitra hiala ny saha ralehilahy, ary nametraka kerobima teo atsinanan'ny saha Edena Izy, ary sabatra mirehitr'afo izay mihodikodina, mba hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina.
Ny mpanoratra dia manomboka fizaran-tantara vaovao.
"fetsy kokoa" (UDB) na "kinga amin'ny hahazahoana izay ilainy amin'ny fitenenana lainga"
Mody gaga tamin'ny nanaovan'Andriamanitra izany didy izany ilay bibilava. Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo adika ho toy ny fanambarana.DH: "Gaga aho ny amin'ny nitenen'Andriamanitra hoe,'tsy azonareo...saha.'"
Ny teny "ianareo" dia mihoatra ny iray ary ilazana ilay lehilahy sy ilay vehivavy.
Nolazain'i Eva tamin'ilay menarana aloha izay navelan'Andriamanitra ataon'izy ireo, ary avy eo izay tsy azon'izy ireo natao. Misy fiteny sasany mety hilaza izay tsy azo atao mialoha ary avy eo izay azo atao, toy ny ao amin'ny UDB.
"Avela hihinana izahay" na "mahazo alalana hihinana izahay"
Ny teny "ianareo" dia mihoatra ny iray ary ilazana ilay lehilahy sy ilay vehivavy.
"tsy afaka mihinana izany ianareo" na "Aza mihinana izany"
"ary tsy mahazo mikasika izany ianareo" na "ary aza mikasika izany"
ireo teny ireo dia ilazana ilay lehilahy sy ilay vehivavy izay anankiroa na mihoatra ny iray.
"dia hisokatra ny masonareo." Ity fomba fiteny ity dia midika hoe: "hahafantatra zavatra ianareo" na "hahatakatra zavatra vaovao ianareo." Voalaza mazava izany hevitra izany. DH: "ho tahaka ny misokatra ny masonareo"(UDB)
Eto "ny tsara sy ny ratsy" dia hevitra am-badika izay ilazana ny faratapony sy ny zavatra rehetra eo anelanelany. Jereo ny nandikanao ny hoe: "fahalalana ny tsara sy ny ratsy" ao amin'ny 2:9. DH: "mahalala ny zavatra rehetra, ny tsara sy ny ratsy"
"mahafinaritra raha jerena ilay hazo" na "tsara ny mijery izany" na "tena tsara be izany" (UDB)
"ary niriany ny voan'ilay hazo satria izany dia mahatonga ho olon-kendry" na "ary naniry ny voan'izany izy satria afaka hahatonga azy hahatakatra ny tsara sy ny ratsy toa an'Andriamanitra izany"
"Ary dia nahiratra ny mason'izy ireo" na "nahafantatra izy ireo" na "nahatakatra izy ireo." Jereo ny nandikanao ny hoe: "dia hisokatra ny masonareo" ao 3:4
"nampitambatra" na "nanakambana"
Raha tsy fantatrin'ny olona ny ravin'aviavy, dia azo adika hoe "ravina lehibe avy amin'ny hazo aviavy" na tsotra hoe: "ravina lehibe."
Nanao izany izy ireo satria menatra. Izany fampahafantarana tsy dia mazava izany dia azo atao mazava raha ilaina toy ny ao amin'ny UDB. DH:"ary nampiakanjo ny tenany tamin'izany satria menatr'izy ireo"
"amin'ny ora fitsiokan'ny tsio-drivotra malefaka"
"avy eo imason'Andriamanitra" na "mba tsy hahita'i Yaveh Andriamanitra azy ireo" (UDB) na "avy amin'i Yaveh Andriamanitra"
"Nahoana ianao no miezaka hiafina Ahy?" (UDB). Fantatr'Andriamanitra izay nisy an-dralehilahy. Raha namaly ralehilahy, dia tsy niteny izay misy azy izy fa ny antony izay niafenany.
Ao amin'ny toko 9 sy 11, Andriamanitra dia niresaka tamin-dralehilahy. Ny fiteny izay manana ny "ianao" manondro olona iray dia hampiasa izany eto.
"Nandre ny feo izay nataonao aho"
Fantatr'Andriamanitra ny valin'izany fanontaniana izany. Manontany izany Izy mba hanereny an'i Adama hiaiky fa tsy nankatoa an'Andriamanitra izy.
Eny, fantatr'Andriamanitra fa nitranga izany. Adikao izany fanontaniana izany amin'ny endrika maneho fa Andriamanitra dia mandiso an'i Adama nohon'ny tsy fankatoavany. Ity fehezanteny ity dia azo adika toy ny fanambarana. DH: "Tsy tokony nihinana tamin'izany ianao... avy."
Efa fantatr'Andriamanitra izay nataon-dravehivavy . Raha nametraka izany fanontaniana izany Izy dia nanome azy fahafahana hiteny momba an'izany, ary maneho ny fahadisom-panantenany tamin'izay nataony. Maro ny fiteny mampiasa fanontaniana fampisainana mba hibedesana na hitenenana mafy. Raha azo atao, dia mampiasà endrika izay maneho izany fahadisom-panantenana izany. Azo adika toy ny fanambarana izany. DH: "Nanao zava mahatsiravina ianao."
"ianao irery no voaozona." Ny teny hoe: "voaozona" no mandeha aloha amin'ny fiteny Hebreo mba hanasongadinana ny fifanoherana teo amin'ny tso-dranon'Andriamanitra ho an'ireo biby sy izany ozona ho an'ilay menarana izany. Izany dia "ozona voakajy," na ny fomba izay nilazana izany ozona izany. Tamin'ny nilazana izany ozona izany, Andriamanitra dia nanao izany.
"ny biby fiompy sy ny biby dia rehetra"
"Amin'ny kibonao no hikisahanao hifindra eo amin'ny tany." Ny teny hoe: "Amin'ny kibonao" dia nalefa mialoha mba hanasongadinana ny fifanoherana amin'ny fomba fifindran'ny biby hafa izay mampiasa ny tongony sy ny hisosan'ilay menarana amin'ny kibony. Izany koa dia tafiditra ao amin'ny ozona voakajy.
"hihinana vovoka ianao." Ny teny "ny vovoka no" dia nalefa mialoha mba hanasongadinana ny fifanoherana amin'ny zava-maniry eo ambonin'ny tany izay hohan'ny biby hafa sy ny sakafo maloto eo amin'ny tany izay hohanin'ny menarana. Izany koa dia tafiditra ao amin'ny ozona voakajy.
Izany dia midika fa ny menarana sy ny vehivavy dia ho lava mpifahavalo.
"zanaka" na "taranaka". Ny teny "voa" dia ilazana izay apetrakin'ny lehilahy ao amin'ny vehivavy mba hahatonga zazakely hiforona ao an-kibony. Toy ny teny hoe: "taranaka", izany dia entina ilazana olona mihoatra ny iray, toy ny teny hoe: 'fara mandimby." Miezaha mitady teny izay manondro olona mihoatra ny iray.
Ny teny hoe: "izy" sy "azy" dia ilazana ny tarakin'ny vehivavy. Raha nandika ho mihoatra ny iray ny hoe: "voa", dia azo adika toy ny hoe "hotorotoroin'izy ireo...ny ombelahin-tongotr'izy ireo"; amin'ity tranga ity, dia mihevera hanisy fanamarihana ambany pejy hilaza fa ny "izy ireo" sy ny "azy ireo" dia nampiasaina mba handikana ny mpisolo tsy mihoatra ny iray.
"hanitsakitsaka" na "hamely" na "hanafika"
"Hampitomboiko fatratra ny fanaintainanao" na "hohamafisiko mafy ny fanaintainanao"
"amin'ny hiterahana zanaka" na "raha hiteraka ny zanakao ianao" UDB
"Hanana faniriana fatratra ny vadinao ianao." Ireo mety ho heviny dia 1) "tena hila fatratra ny vadinao ianao" na 2)" te hifehy ny vadinao ianao"
"izy no ho tomponao" na "hifehy anao izy"
Ny anarana hoe: "Adama" dia mitovy amin'ny " lehilahy" amin'ny teny Hebreo. Misy fandikan-teny manao hoe: "Adama" ary ny sasany manao hoe: "ralehilahy". Afaka hampiasainao ireo endriny daholo ireo noho izy ilazana olona iray.
Fomba fiteny izany. DH: "nankato izay nolazain'ny vadinao ianao"
Afaka milaza izay nohanin'izy ireo ianao. DH: "nihinana ny voan'ilay hazo" na "nihinana ny sasany tamin'ny voan'ilay hazo"
"Tsy mahazo mihinana amin'izany ianareo" na "Aza mihinana ny voankazon'izany"
Ny teny hoe: "ozona" dia nalefa aloha ao amin'ity fehezanteny ity mba hanasongadinana fa ny tany, izay "tsara" (1:9), ankehitriny dia eo ambany ozon'Andriamanitra. DH: "Manozona ny tany Aho"
"amin'ny fanaovana asa mafy"
Ny teny hoe: "izany" dia ilazana ny tany ary sarin-teny hilazana ny faritrin'ny zava-maniry, izay maniry eo amin'ny tany, izay hohanin'ny olona. DH: "hihinana izay maniry eo amin'izany ianao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny zava-maniry izay nokarakarainao any amin'ireo sahanao" na 2)"ny zava-maniriniry ho azy any amin'ireo saha tsy voafefy."
Eto ny teny hoe:"mofo" dia filazana ny sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "hihinana sakafo ianao"
"Amin'ny fanaovana asa mafy izay mahatsemboka ny tavanao"
"mandra-pahafatinao ary ny vatanao dia atao ao amin'ny tany." Amin'ny kolon-tsaina sasany, dia ataon'izy ireo any anaty lavaka eo amin'ny tany ny fatin'ny olona izay maty. Ny asa mafin'ny olona dia tsy mifarana mandra-pahatongan'ny fotoanan'ny fahafatesany sy ny fandevenana azy.
"Namboariko avy amin'ny tany ianao, koa dia ho lasa vovoka ny vatanao." Adikao amin'ny teny mitovy ny fisehon'ny hoe: "vovoka" mba hanehoana fa ny olona dia niandoha sy mifarana amin'ny toe-javatra mitovy.
Misy fandikan-teny sasany manao hoe: "Adama"
"nanome anarana ny vadiny hoe: Eva" na "niantso ny vadiny ho Eva" (UDB)
Ny mpandika teny dia mety hanoratra fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny anarana Eva dia mitovy fanonona amin'ny teny Hebreo ny teny izay midika hoe 'fiainana."'
Ny teny "manan'aina" dia ilazana ny olona. DH: "ny olona rehetra"
"akanjo vita amin'ny hoditrin'ny biby"
Ny mety ho heviny dia 1) Andriamanitra dia milaza olona iray, ilay lehilahy, na 2)Andriamanitra dia milaza ny olona amin'ny akapobeny, ka izany dia midika fa ralehilahy sy ny vadiny. Na dia miresaka olona iray ary aza Andriamanitra, izay nolazainy dia mihatra amin'izy roa tonta.
"tahaka antsika." Ny mpisolo tena "isika" dia manambara olona mihoatra ny iray. Jereo ny nandikanao ny hoe: "Andeha isika hamorona" ao amin'ny 1:26.
Eto "ny tsara sy ny ratsy" dia hevitra ambadika ilazana ny tafahoatra sy ny zavatra eo anelanelany. Jereo ny nandikanao ny hoe: "fahafantarana ny tsara sy ny ratsy" ao amin'ny 2:9. DH:" mahalala ny zavatra rehetra, ao anatin'izany ny tsara sy ny ratsy"
DH: "Tsy hamela azy aho"
"hazo izay manome fiainana ho an'ny olona." Adikao toy ny ao amin'ny 2:7
"maloto satria nalaina avy amin'ny loto." Izany dia tsy ilazana toerana iray manokana eo amin'ny tany izay nakan'Andriamanitra ny olona.
"Noteren'Andriamanitra hiala ny saha ralehilahy." Izany dia ilazana ny tranga ao amin'ny 3:22, izay voalaza hoe: "nandroaka azy hiala ny saha Edena Yaveh Andriamanitra." Tsy nandroaka an-dralehilahy fanindroany Andriamanitra.
manao ny asa rehetra izay tokony hataony mba hahafahan'ny zava-maniry mitombo tsara. Adikao izany toy ny ao amin'ny 2:4
"mba hanatsaharana ny olona tsy hakany amin'ny hazon'aina"
Ireo mety ho heviny dia 1)sabatra izay misy afo mivoaka avy aminy na 2) afo izay mitovy endrika amin'ny sabatra.Ny fiteny izay tsy manana ny hoe :"sabatra" dia afaka mampiasa fiadiana hafa toy ny lefona na ny tsipika.
1 Niara-nandry tamin'i Eva vadiny ralehilahy. Nitoe-jaza izy ary niteraka an'i Kaina. Hoy izy hoe: "Nahazo zazalahy aho noho ny fanampian'i Yaveh." 2 Avy eo dia niteraka an'i Abela rahalahiny indray izy. Ary Abela lasa mpiandry ondry, fa i Kaina kosa namboly ny tany. 3 Rehefa nandeha ny fotoana dia nitondra sasany tamin'ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Yaveh i Kaina. 4 Ny an'i Abela, dia ny sasany tamin'ny voalohan-janak'ondry aman'osiny sy ireo efa matavy no nentiny. Nankasitrahan'i Yaveh i Abela sy ny fanatiny, 5 fa i Kaina sy ny fanatiny kosa dia tsy nankasitrahany. Ka dia tezitra mafy i Kaina, ary vinitra izy. 6 Hoy Yaveh tamin'i Kaina hoe: "Nahoana ianao no tezitra ary nahoana no vinitra? 7 Raha manao izay marina ianao, tsy ho hankasitrahana ve? Fa raha tsy manao izay marina ianao, dia hamitsaka eo ambaravarana ny ota ary maniry ny hibaiko anao, kanefa tsy maintsy manapaka eo amin'izany ianao. 8 Niresaka tamin'i Abela rahalahiny i Kaina. Raha tany an-tsaha iny izy ireo, dia nitsangana hanohitra ny rahalahiny i Kaina ary namono azy. [1]9 Avy eo hoy Yaveh tamin'i Kaina hoe: "Aiza i Abela rahalahinao?" Hoy izy hoe: "Tsy fantatro. Moa mpiandry ny rahalahiko ve aho?" 10 Hoy Yaveh hoe: "Inona ity nataonao? Ny ràn'ny rahalahinao dia miantso Ahy mafy avy amin'ny tany. 11 Ankehitriny dia voaozona izay avy amin'ny tany, izay nanokatra ny vavany mba hitelina ny ràn'ny rahalahinao avy amin'ny tananao ianao. 12 Raha miasa tany ianao, dia tsy hamokatra ho anao izany manomboka izao. Ho mpanjenjena sy mpirenireny eny amin'ny tany ianao." 13 Hoy Kaina tamin'i Yaveh hoe: "Mafy mihoatra noho izay tokony ho zakako ny saziko. 14 Noroahinao tamin'ity tany ity tokoa aho androany, ary hiafina amin'ny tavanao aho. Ho lasa mpanjenjena sy mpirenireny amin'izao tontolo izao aho, ary na iza na iza mahita ahy dia hamono ahy." 15 Hoy Yaveh taminy hoe: "Raha misy mamono an'i Kaina, dia ho valiana im-pito heny aminy izany." Avy eo nasian'i Yaveh famantarana i Kaina, ka raha misy mahita azy, dia tsy hamely azy izany olona izany. 16 Ka nandao an'i Yaveh i Kaina ary nonina tany amin'ny tanin'i Noda, any atsinanan'i Edena. 17 Niara-nandry tamin'ny vadiny i Kaina ka nitoe-jaza izy. Niteraka an' i Enoka izy. Nanorina tanàna izy ary nataony hoe Enoka araka ny anaran'i Enoka zanany lahy izany. 18 Enoka niteraka an'i Irada. Irada tonga rain'i Mehojaela. Mehojaela niteraka an'i Metosaela. Metosaela niteraka an'i Lameka. 19 Lameka nanana vady roa ho azy: Ada no anaran'ny anankiray, ary Zila no anaran'ilay iray hafa. 20 Ada niteraka an'i Jabala. Rain'ireo mpitoetra an-day izay manana biby fiompy izy. 21 Jobala no anaran'ny rahalahiny. Rain'ny ireo mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina izy. 22 Ary Zila kosa, niteraka an'i Tobala Kaina, mpanefy fitaovana varahina sy vy. Nama no anabavin'i Tobala Kaina. 23 Hoy Lameka tamin'ireo vadiny hoe: "Ry Ada sy Zila, mihainoa ny feoko; ianareo ry vadin'i Lameka, henoy izay lazaiko, efa namono lehilahy iray aho nohon'ny fandratrana ahy, ary tovolahy iray noho ny fanorotoroana ahy. 24 Raha valiana fito heny izay mamono an'i Kaina, dia fito amby fitopolo heny kosa ny an'i Lameka." 25 Ary niara-nandry tamin'ny vadiny indray Adama, ka niteraka zazalahy hafa izy. Niantso ny anarany hoe Seta izy ary niteny hoe: "Nomen'Andriamanitra zanaka hafa ho solon'i Abela aho, satria novonoin'i Kaina izy. 26 Niteraka zazalahy i Seta ary nataony hoe Enosy ny anarany. Tamin'izany fotoana izany dia nanomboka niantso ny anaran'i Yaveh ny olona.
"ny olombelona" na "Adama" (UDB)
Ny fiteninao dia mety hanana fomba fiteny mihaja ho an'izay . Ny dikan-teny tranainy manao hoe:"nahalala".
Ny teny hoe "lehilahy" matetika dia manondro olon-dehibe, fa tsy zaza na ankizy. Raha hahatonga fifangaroana izany, dia azo adika hoe: '"zazalahy" na "lahy kely"na "zanaka lahy."
Ireo mpandika teny dia mety te hampiditra fanamarihana ambany pejy izay milaza hoe: "Ny anarana hoe:"Kaina" dia mitovy fanonona amin'ny teny Hebreo midika hoe' mamokatra'. Nataon'i Eva ho Kaina ny anarany satria izy no namokatra azy."
Tsy fantatsika ny elanelan'ny fotoana nahaterahan'ny Kaina sy Abela. Mety ho kambana izy ireo, na teraka tao aorian'ny nahabevohoka indray an'i Eva i Abela. Raha azo atao dia mampiasa teny izay tsy milaza ny elanelan'ny fotoana.
Ny dikany dia nanao ny asa rehetra izay tokony hataony mba hahafahan'ny zava-maniry mitombo tsara izy. Jereo ny nandikana ny "mamboly" ao amin'ny 2:4
Izany teny izany dia nampiasaina mba haneho ny fanombohan'ny fizaran'ny tantara vaovao. Raha misy fomba hanaovana izany amin'ny fiteninao, dia mihevera ny ampiasa izany fomba izany eto.
Ireo mety ho heviny dia 1)" rehefa nandeha ny fotoana" na 2) "tamin'ny fotoanany"
Izany dia ilazana ny sakafo izay avy amin'ny zava-maniry izay novoleny. DH: "vokatra"
Ilazana ny faritra matavy amin'ny zanak'ondry izay novonoiny, ny faritra tsara indrindra amin'ny biby izany. DH: "sasany amin'ny faritra mataviny"
"nankasitraka " na "faly tamin'izany"
Misy fiteny sasany manana fomba fiteny ho an'ny hatezerana toy ny hoe: "nirehitra izy" na "nirehitra ny fahatezerany."
Midika izany fa ny endrikin'ny tavany dia maneho fa tezitra izy na mialona. Ny fiteny sasany dia manana fomba fiteny izay hahafahana manoritsoritra ny endrikendrikin'ny tavan'ny olona rehefa tezitra izy.
Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Andriamanitra mba hilazana amin'ny Kaina fa diso izy ny amin'ny fahatezerany sy ny fahavinirany. Mety miezaka manome an'i Kaina ny fahafahana hibaboka izay ratsy nataony koa izany.
Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Andriamanitra mba hampatsiahivana an'i Kaina ny amin'ny zavatra izay tokony efa fantatr'i Kaina. DH: "Fantatrao fa raha manao ny marina ianao, dia nankasitraka anao Aho"
Miresaka ny fahotana ho toy ny olona Andriamanitra. DH: "Fa raha tsy manao izay marina ianao, dia te hanota bebe kokoa, ary dia hanao zava-dratsy. Handà ny hankato izany ianao"
Ny ota eto dia resahina ho toy ny biby masiaka izay miandry ny fahafahana hanafika an'i Kaina. DH: "ho tezitra fatratra ianao ka tsy ho afaka hanajanona ny fahotana"
Ny fiteny izay tsy manana ny anarana izay midika hoe:"fahotana" dia handika izany hoe: "haniry ny hanota ianao" na "ny zava-dratsy no tianao atao."
Miresaka ny fanirin'i Kaina hanota ho toy ny olona izay tsy maintsy hanapaka an'i Kaina i Yaveh. DH: "Tsy maintsy mifehy izany ianao mba tsy hanotanao"
Misy fiteny sasany mila manampy ny fampafantarana tsy mazava fa Kaina niresaka tamin'ny rahalahiny mba handehana any an-tsaha.
I Abela dia zandry lahin'i Kaina. Misy fiteny sasany mila mampiasa ny teny ho an'i "zandry lahy."
"hanafika"
Fantatr'Andriamanitra fa namono an'i Abela i Kaina, fa nametraka izany fanontaniana izany Izy mba hamalian'i Kaina.
Mampiasa izany fanontaniana fampisainana i Kaina mba hialana amin'ny filazana ny marina. Azo adika toy ny fanambarana izany. DH: "Tsy mpiandry ny rahalahiko aho!" na "Tsy asako ny mikarakara ny rahalahiko!"
Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Andriamanitra mba hitenenana mafy an'i Kaina. Izany dia azo adika toy ny fanambarana. DH: "mahatsiravina izay nataonao!" (UDB)
Ny ràn'i Abela dia sarinteny ilazana ny fahafatesany, toy ny olona izay miantso mafy an'Andriamanitra izany mba hanasazy an'i Kaina. DH: "Ny ràn'ny rahalahinao dia toy ny olona miantso Ahy mafy mba hanasazy ny olona izay namono azy "
DH: "Manozona anao aho mba tsy hamokaranao sakafo avy amin'ny tany"
Miresaka ny tany toy ny olona izay afaka misotro ny ràn'i Abela Andriamanitra. DH: "izay vonton'ny àn'ny rahalahinao"
Resahan'Andriamanitra ho toy ny nandraraka ny ràn'i Abela tamin'ny "vavan'ny" tany ny tanan'i Kaina. DH: "izay niraraka raha namono azy ianao" na "avy aminao"
Ny dikan'izany dia manao ny asa rehetra izay tokony hatao mba hahafahan'ny zava-maniry mitombo tsara. Jereo ny nandikana ny "hamboly" ao amin'ny 2:4.
Ny tany dia nomena toetran'ny olona toy ny olona izay very ny hery"
Afaka hatambatrao miaraka ireo teny ireo. DH: "mpirenireny tsy manan-kialofana"
Ny voambolana "ny tavanao" dia maneho ny fanatrehan'Andriamanitra. DH: "Tsy afaka hiresaka aminao aho"
Adikao toy ny ao amin'ny 4:10 izany
DH: "Hamaly faty azy impito aho" na "Hanasazy izany olona izany impito ho mafy toy izay nanasaziko anao Aho" (UDB)
"tsy hamono an'i Kaina"
Na dia manerana izao rehetra izao ary Yaveh, izany fomba fiteny izany dia miresaka toy ny hoe nandeha alavitra i Kaina. DH: "niala lavitra avy teo amin'ny niresahan'i Yaveh taminy"
Ireo mpandika teny dia mety hanampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "ny teny hoe Noda dia midika 'mpirenireny.'"
Ny fiteninao dia mety hanana fomba fiteny mihaja ho an'izany . Ny dikan-teny tranainy manao hoe:"nahalala". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:1.
"Nanorina tanàna i Kaina"
Izany dia ilazana fa Enoka dia nihalehibe ary nanambady vehivavy. DH: "nihalehibe Enoka dia nanambady ary lasa rain'ny zazalahy kely nantsoina hoe Irada" (UDB)
"nanana zanaka lahy Irada ary nantsoiny hoe Mehojaela izy"
anaram-behivavy
Adikao toy ny ao amin'ny 4:18 ireo anarana ireo
Ireo mety ho heviny dia 1) "izy no olona voalohany nitoetra tao amin'ny lay" na 2) izy sy ireo taranany dia nitoetra amin'ny lay."
Olona izay mitoetra amin'ny lay ary koa mikarakara biby
Ireo mety ho heviny dia 1)" izy no olona voalohany nitendry lokanga sy nitsoka sodina" na 2) "izy sy ireo taranany dia nitendry lokanga sy nitsoka sodina."
"Tobala Kaina. Nanefy fitaovana varahina sy vy izy"
Izany dia vy tena mafy nampiasaina hanaovana fitaovana sy fiadiana.
Adikao toy ny ao amin'ny 4:18 ireo anarana ireo.
Nilaza zavatra anankiray mitovy indroa i Lameka ho fanasongadinana. Ny feony dia sarin-teny ilazana ny tenany manontolo. DH: "henoy tsara aho"
namono lehilahy iray i Lameka
"satria izy nandratra ahy ... satria izy nanorotoro ahy" na "satria nandratra ahy izy"
Nahafantatra i Lameka fa Andriamanitra hamaly faty fito heny izay namono an'i Kaina. DH: "Satria Andriamanitra hanasazy fito heny izay mamono an'i Kaina, Lameka"
impito amby fitopolo- .DH: "N'iza n'iza mamono ahy, Andriamanitra hanasazy azy impito amby fitopolo"
fito-77
Ny fiteninao dia mety hanana fomba fiteny mihaja ho an'izany . Ny dikan-teny tranainy manao hoe:"nahalala". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:1.
Izany no antony nanomezany azy ny anarana hoe Seta. Afaka azavaina izany. DH: "ary nazavaina, 'Andriamanitra efa nanome zanaka hafa ho ahy ."
Ireo mpandika teny dia mety hanampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe" izany anarana izany dia mitovy fanonona amin'ny teny Hebreo izay midika hoe 'efa nanome'"
Afaka azavaina izany. DH: "Ny vadin'i Seta dia niteraka zazalahy taminy"
Izany no fotoana voalohany niantson'ny olona an'Andriamanitra tamin'ny anarana hoe Yaveh. Afaka azavaina izany. DH: "hidera an'Andriamanitra amin'ny fampiasana ny anarana hoe Yaveh"
1 Ity no mirakitra ny taranak'i Adama. Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olombelona, dia nataony araka ny endriny ihany izy ireo. 2 Lahy sy vavy no nahariany azy ireo. Nitso-drano azy ireo Izy ary niantso azy hoe olombelona rehefa voaforona izy ireo. 3 Rehefa niaina 130 taona i Adama, dia tonga rain'ny zazalahy iray, araka ny endriny ihany, ary nataony hoe Seta ny anarany. 4 Taorian'ny niterahan'i Adama an'i Seta, dia niaina nandritry ny valonjato taona izy. Tonga rain'ny zaza lahy sy zanaka vavy maro izy. 5 Niaina 930 taona i Adama, ary maty taorian'izay. 6 Rehefa niaina 105 taona i Seta, dia niteraka an'i Enosy. 7 Taorian'ny niterahany an'i Enosy, dia niaina 807 taona izy ary niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro. 8 Niaina 912 taona i Seta, ary maty taorian'izay. 9 Rehefa niaina sivy folo taona i Enosy, dia niteraka an'i Kenana. 10 Taorian'ny niterahany an'i Kenana, dia niaina 815 taona i Enosy. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 11 Niaina 915 taona i Enosy, ary maty taorian'izay. 12 Rehefa niaina fitopolo taona i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalila. 13 Taorian'ny niterahany an'i Mahalalila, dia niaina 840 taona i Kenana. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 14 Niaina 910 taona i Kenana, ary maty taorian'izay. 15 Rehefa niaina dimy amby enimpolo taona i Mahalalila, dia niteraka an'i Jareda. 16 Taorian'ny niterahany an'i Jareda, dia niaina 830 taona izy. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 17 Niaina 895 taona i Mahalalila, ary maty taorian'izay. 18 Rehefa niaina 162 taona i Jareda, dia niteraka an'i Enoka. 19 Taorian'ny niterahany an'i Enoka, dia niaina valonjato taona izy. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 20 Niaina 962 taona i Jareda, ary maty taorian'izay. 21 Rehefa niaina dimy amby enimpolo taona i Enoka, dia niteraka an'i Metosela. 22 Nandeha tamim-pombàn'Andriamanitra nandritry ny telonjato taona i Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 23 Niaina 365 taona i Enoka. 24 Nandeha tamim-pombàn'Andriamanitra i Enoka, ary lasana izy, satria nalain'Andriamanitra. 25 Rehefa niaina 187 taona i Metosela, dia niteraka an'i Lameka. 26 Taorian'ny niterahany an'i Lameka, dia niaina 782 taona i Metosela. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 27 Niaina 969 taona i Metosela. Ary maty izy taorian'izay. 28 Rehefa niaina 182 taona i Lameka, dia niteraka zanaka lahy iray. 29 Nantsoiny hoe Noa ny anarany, ary nambarany hoe: "Ity no hanome fitsaharana ho antsika amin'ny asantsika sy amin'ny asa mafy ataon'ny tanantsika, izay tsy maintsy hataontsika noho ny tany izay nozonin'i Yaveh." 30 Niaina 595 taona i Lameka taorian'ny niterahany an'i Noa. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 31 Niaina 777 taona i Lameka. Taorian'izay dia maty izy. 32 Rehefa niaina dimanjato taona i Noa, dia niteraka an'i Sema, Hama sy Jafeta.
Fanombohana ny lisitrin'ireo taranak'i Adama izany.
Izany andian-teny izany dia midika fa Andriamanitra nanao ny olombelona ho tahaka Azy. Ity andininy ity dia tsy milaza ny amin'izay nataony tamin'ny olona ho tahaka Azy. Andriamanitra dia tsy manana vatana, noho izany dia tsy midika izany fa ny olona dia mitovy amin'Andriamanitra. DH: "ho tena tahaka antsika." Jereo ny nandikanao ny hoe "tahaka antsika" ao amin'ny 1:26.
DH: "rehefa namorona azy ireo izy"
Ireo mpandika teny dia mety hanoratra ny tarehimarika "130" sy "800" na ny teny "telopolo amby zato" sy "valon-jato." (Ny ULB sy ny UDB dia mampiasa ny tarehimarika raha telo na mihoatra ilay andian-teny; soratana amin'ny teny kosa raha teny iray na roa.)
"nanan-janaka lahy izy"
Izany andian-teny roa izany dia manana dika mitovy. Nampiasaina izy ireo hampatsiahivana fa nataon'Andriamanitra tahaka azy ny olona. Jereo ny nandikanao izany andian-teny mitovy izany ao amin'ny 1:26.
Adikao toy ny nandikanao azy ao amin'ny 4:25 izany.
"nanana zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy"
Izany andian-teny izany dia hiverina ao amin'ny toko manontolo. Ampiasao ny teninao mahazatra ny hoe: "maty."
Lava andro iainana ny olona. Ampiasao ny teninao mahazatra ilazana ny "taona". DH: "ny fitambaran'ny taona niainan'i Adama dia 930 taona"
Eto ny "ray" dia midika hoe tena ray, fa tsy raibe. DH: "niteraka an'i Enosy zanany"
Anaran'olona izany.
"nanana zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy"
"ny fitambaran'ny taona niainan'i Seta dia 912 taona"
Izany andian-teny izany dia hiverina ao amin'ny toko manontolo. Ampiasao ny teninao mahazatra ny hoe: "maty."
Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 5:6-27 dia manana endrika mitovy. Adikao araka ny fanazavana ao amin'ny 5:6.
Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 5:6-27 dia manana endrika mitovy. Adikao araka ny fanazavana ao amin'ny 5:6.
Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 5:6-27 dia manana endrika mitovy. Adikao araka ny fanazavana ao amin'ny 5:6.
Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 5:6-27 dia manana endrika mitovy. Adikao araka ny fanazavana ao amin'ny 5:6.
"nanana an'i Metosela zanany izy"
Anaran-dehilahy izany.
Ny mandeha niaraka amin'ny olona dia sarin-teny hilazana ny fananana fifandraisana akaiky miaraka aminy. DH: "Nanana fifandraisana akaiky tamin'Andriamanitra i Enoka" na " Niaina tamin'ny fifandraisana tamin'Andriamanitra i Enoka"
"nanana zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy"
"ny fitambaran'ny taona niainan'i Enoka dia 365 taona"
Ny teny hoe "izy" dia ilazana an'i Enoka. Tsy teto an-tany intsony izy.
Midika izany fa nalain'Andriamanitra i Enoka mba hiaraka aminy (Andriamanitra).
Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 5:6-27 dia manana endrika mitovy. Adikao araka ny fanazavana ao amin'ny 5:6.
Ity Lameka ity dia hafa noho ilay Lameka ao amin'ny 4:18.
"nanana zanaka lahy"
Ireo mpandika teny dia mety hanampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe" izany anarana izany dia mitovy fanonona amin'ny teny Hebreo izay midika hoe 'fitsaharana.'"
Niteny izany zavatra mitovy izany indroa i Lameka mba hanasongadinana ny hamafin'ny asa. DH: "amin'ny asa mafy ataon'ny tanantsika"
"ny fitambaran'ny taona niainan'i Lameka dia 777 taona"
"nanana ireo zanany lahy." Tsy milaza amintsika izany ny amin'ny nahaterahan'ireo zanany lahy tamin'ny andro iray na tamin'ny taona samy hafa.
Mety tsy voalahatra araka ny nahaterahany ireo zanany lahy ireo. Misy ny tsy fitovian-kevitra mahakasika an'izay zokiny indrindra. Ialao ny fandikana izany ho toy ny mametraka fa ny lisitra dia milahatra araka ny taonan'izy ireo.
1 Rehefa nanomboka nihamaro teto an-tany ny olombelona ary niteraka zazavavy maro, 2 dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa maha-te ho tia ny zanaka vavin'ny olombelona. Naka vady ho azy izy ireo, na iza na iza nosafidiany tamin'izy ireo. 3 Hoy Yaveh hoe: "Tsy hitoetra amin'ny olombelona mandrakizay ny fanahiko, satria nofo izy ireo. Hiaina mandritry ny 120 taona izy ireo." 4 Teto ambonin'ny tany ny olona goavana tamin'izany andro izany, ary taorian'izany ihany koa. Izany no nitranga rehefa nanambady ireo zanaka vavin'ny olombelona ireo zanak'Andriamanitra, ary niteraka tamin'izy ireo. Ireo no lehilahy mahery taloha, lehilahy nanana laza. 5 Hitan'i Yaveh fa lehibe ny faharatsian'ny olombelona teto an-tany, ary ny fironan'ny fisainana rehetra tao am-pon'izy ireo dia ratsy hatrany. 6 Nanenina tamin'ny nahariany ny olombelona teo an-tany Yaveh, ary nahasosotra ny fony izany. 7 Koa hoy Yaveh hoe: "Haringako hiala eo ambonin'ny tany ny olombelona izay nohariako; na ny olombelona na ireo biby vaventy, sy ireo zavatra mikisaka ary ireo voron'ny habakabaka, satria nanenina Aho namorona azy ireo." 8 Fa Noa kosa nahita sitraka teo imason'i Yaveh. 9 Izao no tantara mahakasika an'i Noa. Noa dia lehilahy marina, ary tsy nisy tsiny teo amin'ny olona tamin'ny androny. Noa dia nandeha niaraka tamin'Andriamanitra. 10 Niteraka zanaka lahy telo i Noa: Sema, Hama, sy Jafeta. 11 Simba teo anatrehan'Andriamanitra ny tany, ary feno herisetra izany. 12 Hitan'Andriamanitra ny tany; ary indro, simba izany, satria nanimba ny lalan'izy ireo teo ambonin'ny tany ny nofo rehetra. 13 Hoy Andriamanitra tamin'i Noa hoe: "Hitako fa fotoana hamotehana ny nofo rehetra izao, satria feno herisetra amin'ny alalan'izy ireo ny tany. Haringako miaraka amin'ny tany tokoa izy ireo. 14 Manaova sambo-fiara vita amin'ny hazo kypreso ho an'ny tenanao. Asio efitra ao anatin'ilay sambo-fiara, ary asio dinty ao anatiny sy ivelan'izany. 15 Izao no fomba hanaovanao izany: telonjato hakiho ny halavan'ny sambo-fiara, dimampolo hakiho ny sakany, ary telopolo hakiho ny haavony. 16 Asio tafo ny sambo-fiara, ary vitao amin'ny hakiho iray avy any ambony izany. Asio varavarana ny ilan'ilay sambo-fiara ary asio tokotanin-tsambo ambany, faharoa sy fahatelo. 17 Mihainoa, efa mby hitondra ilay safo-drano eny ambonin'ny tany Aho, mba hamotika ny nofo rehetra izay manana ny fofon'aina ambanin'ny lanitra ao aminy. Ho faty avokoa ny zavatra rehetra eny ambonin'ny tany. 18 Kanefa hanorina ny fanekeko aminao Aho. Ho avy ao amin'ilay sambo-fiara ianareo, ianao, sy ireo zanakao lahy, ary ny vadinao, sy ireo vinantovavinao. 19 Amin'ny zava-manan'aina rehetra amin'ny nofo rehetra, dia tsy maintsy hitondranao roa avy amin'ny karazany rehetra mankao anaty sambo-fiara, mba hihazonana azy ireo ho velona miaraka aminao, na lahy na vavy. 20 Ireo vorona samy araka ny karazany avy, ary ny biby vaventy samy araka ny karazany avy, ny zavatra mikisaka amin'ny tany rehetra samy araka ny karazany avy, dia hanatona anao avokoa ny roa amin'ny karazany rehetra, velomy izy ireo. 21 Hangony ho anao avokoa ny karazan-tsakafo rehetra izay fihinana ary tehirizo izany, mba ho sakafonao sy ho azy ireo." 22 Ka dia nataon'i Noa izany. Araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra no nanaovany azy.
Ity teny ity eto dia ampiasaina hanamarihana ny fiandohan'ny fizaran-tantara vaovao. Raha manana fomba ilazana izany ny fiteninao, dia mihevera hampiasa izany eto.
DH: "niteraka zanaka vavy ireo vehivavy"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "tsy tena mazava na ilazana ny olon'ny lanitra na ny olom-belona izany. Fa amin'ny lafiny rehetra, Andriamanitra no namorina azy ireo." Ao ireo mino fa ireo teny ireo dia ilazana ireo anjely izay nikomy nanohitra an'Andriamanitra, izay tsy iza, fa ny fanahy ratsy na demony. Ny sasany mihevitra fa mety ilazana ny mpanapaka matanjaka ara-politika izany, ao koa ny hafa izay mihevitra fa ilazana ireo taranak'i Seta izany.
Eto Yaveh dia milaza ny tenany sy ny fanahiny, izay Fanahin'Andriamanitra.
Izany dia midika fa manana vatana izy ireo izay mety maty indray andro any.
Ireo mety ho heviny dia 1) ny tokony halavan'ny andro iainan'ny olona dia hiakatra ho 120 taona. DH: "Tsy hiaina mihoatra ny 120 taona izy ireo" na 2) amin'ny faha120 taonany ny olona dia ho faty. DH: "hiaina 120 taona monja izy ireo"
Lava be, olom-be
"Ireo olona goavana dia teraka nohon'ny"
Adikao toy izay nataonao ao amin'ny 6:1.
"Ireo olona goavana ireo no lehilahy mahery izay niaina fahiny ela be" na "ireo ankizy nitombo izay lasa mpiady matanjaka izay niaina fahiny ela be"
lehilahy izay mahery fo sy mpandresy amin'ny ady
"fironana" na "fahazarana"
Ny mpanoratra dia miresaka ny fo ho toy ny faritrin'ny vatana izay misaina. Ny teninao dia mety hampiasa teny hafa ankoatra ny "fo" mba hiresahana ny faritra misainan'ny olona. DH: "ny ao anatin'izy ireo, ny fisainany miafina"
Ny mpanoratra dia miresaka ny fo ho toy ny faritrin'ny vatana izay afaka mahatsapa alahelo. Ny teninao dia mety hampiasa teny hafa ankoatra ny "fo" mba hiresahana ny fihetseham-po. DH: "tena nalahelo mafy dia mafy tamin'izany Izy"
Ny mpanoratra dia miresaka ny namonoan'Andriamanitra ny olona toy ny hoe namafa ny loto hiala ny velaran'ny tany Andriamanitra. DH: "Handringana ny olom-belona Aho ... mba tsy hisian'ny olona eto an-tany"
Misy fiteny sasany mila mandika izany ho fehezanteny roa. DH: "Nohariako ny olombelona. Haringako izy ireo"
"mamotika tanteraka." Eto ny "mandringana" dia ampiasaina amin'ny heviny ratsy, satria Andriamanitra miresaka ny fandringanana ny olona nohon'ny fahotan'izy ireo.
"Nankasitraka an'i Noa i Yaveh" na "Faly tamin'i Noa i Yaveh" (UDB)
Eto ny "maso" dia midika ho fahitana na fisainana. DH: " teo imason'i Yaveh" na " teo amin'ny fisainan'i Yaveh"
Fanombohan'ny tantaran'i Noa izany, izay mitohy ao amin'ny toko faha 9.
"Tantaran'i Noa izao"
Adikao toy izay nataonao tao amin'ny 5:21 izany.
"Niteraka zanaka lahy telo i Noa" na "Niteraka zanaka lahy telo ny vadin'i Noa"
Ireo mpandika teny dia mety hanampy fanamarihana ambany pejy toy izao: "Ireo zanaka lahy ireo dia tsy milahatra araka ny nahaterahan'izy ireo."
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo olona izay miaina eo amin'ny tany na 2) "ny tany mihitsy."
Izay nataon'ny olona dia ratsy ary noresahina toy ny sakafo izay tonga lo. DH: "lasa lo" na "tena ratsy tanteraka"
Ireo mety ho heviny dia 1) "teo imason'Andriamanitra" na 2) "teo anatrehan'i Yaveh" toy ny ao amin'ny 4:16.
Ny mpanoratra dia miresaka ny herisetra toy ny zavatra izay afaka atao ao anaty fitoeran-javatra sy ny tany ho toy ny fitoerany. DH:" ary maro ny olona misetrasetra teo amin'ny tany" na "satria feno olona izay nifanao zava-dratsy izany"
Ny teny hoe: "indro" dia manaitra antsika hitandrina tsara izay fampantarana tsy ampoizina izay hiseho maraka eto.
Ireo mety ho heviny dia: 1)ny olombelona rehetra na 2) ny manana vatana rehetra, dia ny olona sy ny biby.
Ny fitondratenan'ny olona dia resahina toy ny lalana. DH: "nanatsahatra niaina ny lalana izay notakian'Andriamanitra" na "nanao fitondran-tena ratsy" (UDB)
Adikao toy ny ao amin'ny 6:11 ireo teny ireo.
"ny olona rehetra eo amin'ny tany dia misetrasetra"
"Haringako miaraka izy ireo sy ny tany" na "Handringana azy ireo Aho rehefa mandringana ny tany"
Izany dia ilazana ny vata lehibe izay afaka mitsikafona eny ambony rano na dia amin'ny tafiotra be aza. "sambo lehibe" na "sambo"
Tsy dia fantatrin'ny olona loatra ny mety karazan'izany hazo izany. "Hazo nampiasaina hanamboarana sambo" na "hazo tsara"
"Fafazo dinty izany" na "lokoy dinty izany." Afaka hazavaina ny antony anaovana izany: "mba hahatonga izany tsy tatera-drano" (UDB).
zavatra miraikitra, matevina izany na ranomenaka izay ataon'ny olona amin'ny ivelan'ny sambo mba tsy hamelana ny rano hiditra eo amin'ny banga eo amin'ny hazo ao anatin'ny sambo.
Ny hakiho dia fandrefesana, kelikely kokoa nohon'ny halavan'ny hatsasa-metatra.
"138 metatra." Afaka mampiasa ny fandrefesana Hebreo izay ao amin'ny ULB ianao na ny metatra fandrefesana avy amin'ny UDB na ny fomba fandrefesana ampiasaina ao amin'izay misy anao raha hainao ny mampitaha azy ireo amin'ny metatra fandrefesana. Afaka manoratra fanamarihana ambany pejy ihany koa ianao milaza hoe: "Ny telon-jato hakiho dia eo ho eo amin'ny 138 metatra."
"telo amby roapolo metatra"
"telo ambin'ny folo metatra"
Mety ho tampony na tafo mitsororika izany. Ny tanjonan'izany dia hiaro ny zavatra rehetra ao amin'ny sambo fiara amin'ny orana.
Ny hakiho dia kelikely kokoa nohon'ny halavan'ny antsasa-metatra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:13.
"tokotanin-tsambo ambany, afovoany, ary ambony" na "tokotanin-tsambo telo ao anatiny" (UDB)
"rihana" na "ambaratonga"
Nilaza izany Andriamanitra mba hanasongadinana fa Izy dia hanao izay ho lazainy. "tandremo tsara" na "Henoy izay lazaiko"
"efa handefa tondra-drano Aho" na "efa mby hahatonga tondra-drano Aho"
Eto ny "nofo" dia maneho ny manana vatana rehetra, dia ny olona sy ny biby.
Eto ny "fofon'aina" dia maneho fiainana. DH: "izay miaina"
"hanao fanekena amiko sy aminao"
miaraka amin'i Noa
"hihiditra ao amin'ilay sambo-fiara ianareo." Ny fandikan-teny sasany milaza hoe: "handeha ho any amin'ny sambo-fiara ianareo."
"Tsy maintsy ho entinao ao anaty sambo-fiara ny karazany roa amin'ny zava-manan'aina rehetra"
biby izay noforonin'Andriamanitra
Adikao ireo teny ireo toy ny ao amin'ny 6:11
"ny isan-karazany avy"
Ilazana ny biby kely izay mikisaka amin'ny tany izany (UDB).
Ilazana ny roa amin'ny karazam-borona sy biby rehetra.
"koa afaka mamelona azy ireo ianao"
Ilazana an'i Noa izany ary dia ilazana olona iray.
"sakafo izay hohanin'ny olona sy ny biby"
Ireo fehezanteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. Ny fehezanteny faharoa dia manazava ny voalohany ary manasongadina fa i Noa dia nankatoha an'Andriamanitra. Ireo fehezanteny mifanindran-dalana ireo dia azo akambana ho iray. DH: " Ary Noa dia nanao ny zavatra rehetra izay nandidian'Andriamanitra azy ho atao"
1 Ary Yaveh nilaza tamin'i Noa hoe: "Midira ao amin'ilay sambo-fiara ianao sy ny ankohonanao, satria ianao no olona hitako fa marina eo anatrehako amin'ity taranaka ity. 2 Ny amin'ny biby madio rehetra dia hitondranao fito lahy sy fito vavy. Ary ny amin'ireo biby tsy madio, dia maka roa isany avy, lahy sy vavy. 3 Ny amin'ireo voron'ny habakabaka ihany koa, dia maka fito lahy sy fito vavy, ho fitandrovana ny taranany ety ambonin'ny tany. 4 Aorian'ny fito andro dia handefa orana mikija mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina Aho. Haringako daholo ireo zava-manan'aina nohariako teto ambonin'ny tany." 5 Dia nataon'i Noa izay rehetra nandidian'i Yaveh az. 6 Eninjato taona i Noa tamin'ny fotoana nahatongavan'ny safo-drano teto an-tany. 7 Noa, ireo zanany lahy, ny vadiny, ary ireo vinanto vaviny dia niara-niditra tao anaty sambo-fiara nohon'ny ranon'ny safo-drano. 8 Ireo biby madio sy ireo biby maloto, ireo vorona, ary ireo zavatra rehetra mandady amin'ny tany, 9 dia tonga tsiroaroa, lahy sy vavy, nankeo amin'i Noa ary niditra tao amin'ny sambo-fiara, araka ny efa nandidian'Andriamanitra an'i Noa. 10 Ary fito andro taty aoriana, dia nanomboka nirotsaka ny orana ka safotry ny rano ny tany. 11 Tamin'ny faha eninjato taona niainan'i Noa, volana faharoa, andro faha fito ambin'ny folon'ny volana, tamin'io andro io ihany, dia nipoitra ireo loharano lalina rehetra ambanin'ny tany, ary nisokatra ireo varavarakelin'ny lanitra. 12 Nanomboka nikija nandritrin'ny efapolo andro sy efapolo alina ny orana teto ambonin'ny tany. 13 Tamin'io andro io ihany i Noa sy ireo zanany lahy, Sema, Hama, sy Jafeta, ary ny vadin'i Noa, sy ireo vinanto vaviny telo niaraka amin'izy ireo, dia niditra tao anatin'ilay sambo-fiara. 14 Ary izy ireo niditra niaraka tamin'ireo bibi-dia rehetra samy amin'ny karazany avy, sy ny biby fiompy samy araka ny karazany avy, sy ny zavatra mikisaka amin'ny tany samy araka ny karazany avy, ary ny karazam-borona rehetra samy araka ny karazany avy, sy ireo zava-manan'aina manan'elatra tsirairay araka ny karazany avy. 15 Tonga tsiroaroa teo amin'i Noa ireo biby rehetra manam-pofon'aina isaky ny karazany avy ary niditra tao amin'ilay sambo-fiara. 16 Ireo biby izay niditra tao dia lahy sy ny vavy isakin'ny karazany avy; niditra tao izy ireo araka izay nandidian'Andriamanitra azy. Avy eo Yaveh nanidy ny vavarana rehefa tafiditra izy ireo. 17 Avy eo dia tonga teto an-tany nandritrin'ny efapolo andro ny safo-drano, ary nitombo ny rano ka nanainga ilay sambo-fiara sy nampiakatra izany ho eo ambonin'ny tany. 18 Rakotra rano tanteraka ny tany, ka nitsingevana teny ambony rano ilay sambo-fiara. 19 Nisondrotra be teo amin'ny tany ny rano ka rakotra avokoa ireo tendrombohitra avo rehetra ambanin'ny lanitra. 20 Nihoatra dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny tampon'ny tendrombohitra ny rano. 21 Maty avokoa ireo zava-manan'aina rehetra izay nirenireny tety ambony tany: ireo vorona, ireo biby fiompy, ireo bibi-dia, sy ireo zava-manan'aina maro izay niaina tety an-tany, ary ny olombelona rehetra. 22 Ireo zava-manan'aina rehetra niaina teto ambonin'ny tany, izay miaina ny fofon'aina amin'ny vavorony, dia maty. 23 Noho izany dia ringana avokoa ireo zava-manan'aina rehetra tety ambony tany, hatramin'ny olombelona ka hatramin'ny biby fiompy, sy ireo biby mikisaka, ary ny voron'ny habakabaka. Ringana tety ambony tany avokoa izy rehetra. Noa sy ireo izay niaraka taminy tao anatin'ilay sambo-fiara no sisa tavela. 24 Tsy nihena tambonin'ny tany nandritran'ny dimampolo amby zato andro ilay rano.
Ireo tranga ao amin'ity toko ity dia niseho tao aorian'ny namboaran'i Noa ny sambo-fiara, nanangonany ny sakafo, ary nanao izany tao amin'ny sambo-fiara.
"Midira ... ao amin'ilay sambo-fiara ... makà." Maro ny fandikan-teny mivaky hoe" Mandehana... ao amin'ilay sambo-fiara ... ento."
Ny teny "ianao" dia ilazana an'i Noa.
"ny havanao"
Midika izany fa Andriamanitra dia nahita fa marina i Noa.
Izany dia ilazana ny olona rehetra izay niaina tamin'izany fotoana izany. DH:" amin'ireo olona rehetra izay miaina ankehitriny"
Izany dia ilazana ny biby izay navelan'Andriamanitra hohanin'ny olony sy atao fanatitra.
Izany dia ilazana ny biby izay tsy navelan'Andriamanitra hohanin'ny olony na atao fanatitra.
"mba hananan'izy ireo taranaka izay ho velona" na "mba, hitohizan'ny fahaveloman'ny biby, ao aorian'ny tondra-drano"
efa-polo andro feno izany. Tsy valopolo andro ny fitambaran'izany. DH:"efa-polo andro sy efa-polo alina"
ilazana ny ain'ny vatana
Ny andininy 6-12 dia miverina indroa ary manome fanazavana an-tsipirihany mikasika ny nandehanan'i Noa sy ny fianakaviany ary ireo biby tao amin'ny sambo-fiara, ao amin'ny 7:1. Tsy zava-baovao izany.
"nitranga" na "tonga teo amin'ny tany"
"nohon'ny hiavian'ny safo-drano" na "mba handositra ny safo-drano"
Ny andininy 6-12 dia miverina indroa ary manome fanazavana an-tsipirihany mikasika ny nandehanan'i Noa sy ny fianakaviany ary ireo biby tao amin'ny sambo-fiara, ao amin'ny 7:1. Tsy zava-baovao izany.
Izany dia ilazana ny biby izay tsy navelan'Andriamanitra hohanin'ny olony na atao fanatitra.
Izany dia ilazana ny biby izay tsy navelan'Andriamanitra hohanin'ny olony na atao fanatitra.
Niditra tao amin'ny sambo tsiroaroa miaraka ny lahiny sy ny vaviny.
Nampiasaina izany teny izany eto hanamarihana ny tranga manandanjan'ny tantara: ny fiantombohan'ny safo-drano. Raha manana fomba filazana izany ny teninao dia mihevera ampiasa izany eto.
"afaka fito andro" na "fito andro taty aoriana"
Fanazavana fanampiny, "nanomboka avy ny orana" azo atao mazava izany ao amin'ny (UDB). DH: "nanomboka avy ny orana ary tonga teo amin'ny tany ny tondra-drano"
Ny andininy 6-12 dia miverina indroa ary manome fanazavana an-tsipirihany mikasika ny nandehanan'i Noa sy ny fianakaviany ary ireo biby tao amin'ny sambo-fiara, ao amin'ny 7:1. Tsy zava-baovao izany.
"Tamin'i Noa 600 taona" (UDB)
Satria i Mosesy no nanoratra ity boky ity, dia mety ho nampiasa ny volana faharoa amin'ny tetiandro Hebreo ho fanovozan-kevitra amin'ny fanisana izy. kanefa tsy dia azo antoka izany.
Izany dia ilazana ny andro manokana nanombohan'ny rotsakorana. Ity andian-teny ity dia manasongadina ny nitrangan'izany tranga lehibe izany faingana tamin'ny nahatongavan'ny fotoany.
"nibosesika nivoaka ny velaran'ny tany ny rano avy any ambanin'ny tany"
Ilazana ny ranomasina izay noheverina fa avy any ambanin'ny tany izany.
Ilazana ny orana izany. Manoritsoritra ny lanitra toy ny tafo izay mitazona ny rano any ambony tsy hilatsaka ambany amin'ny tany izany. Rehefa misokatra ny varavarakely, na ny varavarana, any an-danitra, dia miraraka avy amin'izy ireo ny rano. DH:"misokatra ny lanitra" na "misokatra ny varavarana any an-danitra"
Raha manana teny ilazana ny fatra betsakin'ny orana ny teninao, dia mifanaraka tsara eto izany.
Ny andininy 13-18 dia miverina indroa ary manome fanazavana an-tsipirihany mikasika ny nandehanan'i Noa sy ny fianakaviany ary ireo biby tao amin'ny sambo-fiara, ao amin'ny 7:1. Tsy zava-baovao izany.
"tamin'izany andro izany indrindra." Ilazana ny andro izay nanombohan'ny orana. Ny andininy 13-16 dia milaza izay nataon'i Noa faingana mialohan'ny hiantombohan'ny orana.
Ireo vondrona efatra ireo dia natao lisitra mba hanehoana fa ny karazam-biby rehetra dia tafiditra avokoa. Raha manana fomba hafa fampivondronana ny biby rehetra ny teninao, dia afaka ampiasainao izany, na afaka mampiasa ireo vondrona ireo ianao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:24.
Ilazana ny biby izay mandady amin'ny tany, toy ny bibikely, ny androngo, ary ny bibilava.
"mba hamokaran'ireo karazana biby rehetra maro tahaka ny karazany avy." Jereo ny nandikanao izany any amin'ny 1:24.
Ny andininy 13-18 dia miverina indroa ary manome fanazavana an-tsipirihany mikasika ny nandehanan'i Noa sy ny fianakaviany ary ireo biby tao amin'ny sambo-fiara, ao amin'ny 7:1. Tsy zava-baovao izany.
Eto ny "nofo" dia ilazana ireo biby.
Eto ny "fofon'aina" dia ilazana ny aina. DH: "izay miaina"
Ny teny hoe: "tonga" dia azo adika toy ny hoe: "lasa"
Eto ny "nofo" dia maneho ny biby. DH: "amin'ny karazam-biby rehetra"
Azo atao mazava ny tena dikan'izany . DH: "rehefa avy niditra ny sambo fiara izy ireo"
Ny andininy 13-18 dia miverina indroa ary manome fanazavana an-tsipirihany mikasika ny nandehanan'i Noa sy ny fianakaviany ary ireo biby tao amin'ny sambo-fiara, ao amin'ny 7:1. Tsy zava-baovao izany.
Nitranga nandritra ny efapolo andro izay nahatongavan'ny rano hatrany izany. "ary ny rano dia tonga lalina indrindra"
"ary nampitsikafona ny sambo fiara izany"
"nampiainga ny sambo fiara ho eo an-tampon'ny tany" na "nitsikafona teo amin'ny farany ambonin'ny rano lalina ilay sambo fiara"
"Nanafotra ny tany manontolo ny rano"
" enina metatra." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:13.
"nihisakisaka" na "nirenireny"
Ilazana ny biby izay mifindrafindra manerana ny tany manao andiany maro.
Eto ny "vavorona" dia maneho ny biby rehetra sy ny olombelona. DH: "ny rehetra izay miaina"
Ny teny hoe: "fofon'aina" sy "aina" dia maneho ny fahefana izay hahafahan'ny olona sy ny biby miaina.
Ilazana ny fahafatesana ara-batana izany.
Raha ilaina, dia afaka atao izany hoe: DH: "Noho izany ny zava-manan'aina rehetra ... dia levona" na "Nandringana tanteraka ny zava-manan'aina rehetra ny safo-drano"
Azo atao izany hoe: DH: " Naringan'Andriamanitra avokoa izy rehetra"
"koa dia tsy tety an-tany intsony izy ireny"
"sy ny olona ary ny biby izay niaraka taminy"
"sisa tavela" na "velona" na "sisa velona" (UDB)
"Ny rano lalaina no nandrakotra ny tany manontolo" na "Nijanona ho safo-drano be teo amin'ny tany ny rano" (UDB)
1 Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Noa, ireo bibi-dia rehetra, ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao anatin'ilay sambo-fiara. Nampitsoka rivotra eran'ny tany Andriamanitra, ka dia nanomboka nihena ny rano. 2 Nakatona ny loharanon'ny lalina sy ny varavarakelin'ny lanitra, ary nitsahatra ny ranon'orana. 3 Nihena tsikelikely ny ranon'ny safo-drano, ary rehefa afaka dimampolo amby zato andro dia nihena ny rano. 4 Dia niantsona teo amin'ny tendrombohitr'i Aratata ny sambo-fiara tamin'ny volana faha-fito, tamin'ny andro faha-fito ambin'ny folon'ny volana. 5 Nihena hatrany ny rano hatramin'ny volana faha-folo. Tamin'ny andro voalohan'ny volana, dia niseho ny tampon'ny tendrombohitr. 6 Ary rehefa afaka efapolo andro dia novohain'i Noa ny varavarakelin'ny sambo-fiara izay namboariny. 7 Ary nandefa goaika anankiray tany ivelany izy, ary niverimberina nanidina izany ambara-pahamainan'ny rano tamin'ny tany. 8 Ary nandefa voromailala izy hizaha raha efa ritra ny rano tambonin'ny tany, 9 fa tsy nahita toerana nametrahany ny tongony ilay voromailala ka niverina tany aminy tao anatin'ilay sambo fiara satria mbola nandrakotra ny tany manontolo ny rano. Ary naninjitra ny tanany izy, ka nandray ilay voromailala ary nampiditra azy tao anaty sambo-fiara niaraka taminy. 10 Ary mbola niandry hafitoana indray izy ka nandefa ilay voromailala avy tao anaty sambo-fiara. 11 Niverina teo aminy ilay voromailala nony hariva. Indro! nisy ravin'oliva maitso vao notangosana teo ambavan'ilay voromailala. Koa dia fantatr'i Noa fa efa nidina ny rano tambonin'ny tany. 12 Mbola niandry hafitoana, izy ka namoaka ilay voromailala indray. Tsy niverina teo aminy intsony ilay vorona. 13 Tamin'ny faha-iraika amby eninjato taona, tamin'ny volana voalohany, tamin'ny andro voalohan'ny volana, no ritra ny rano teo ambonin'ny tany. Nesorin'i Noa ny tafon'ilay sambo-fiara, nijery tany ivelany, ary nahita fa, indro, maina ny tany. 14 Ary tamin'ny andro fahafito amby roampolo, tamin'ny volana faharoa, dia maina ny tany. 15 Hoy Andriamanitra tamin'i Noa hoe: 16 "Mivoaha ao anaty sambo-fiara, ianao, ny vadinao, ireo zanakao lahy, ary ireo vinantonao vavy miaraka aminao. 17 Ento mivoaka miaraka aminao ireo zava-manan'aina rehetra izay miaraka aminao izay avy tamin'ny nofo rehetra—dia ireo vorona, ireo biby, ary ireo zavatra mikisaka rehetra amin'ny tany—mba hitombo isa fatratra ho zava-manan'aina manerana ny tany ireo, Miteraha maro ary mihamaroa." 18 Dia nivoaka Noa sy ny vady aman-janany, mbamin'ny vinantovaviny niaraka taminy. 19 Ny zava-manan'aina rehetra, ny zavatra mikisaka rehetra, ary ny vorona rehetra, mbamin'izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin'ny tany, araka ny karazany avy, dia nandao ny sambo-fiara. 20 Nanamboatra alitara ho an'i Yaveh i Noa. Naka sasany tamin'ireo biby madio sy vorona madio izy, ary nanolotra fanatitra dorana teo amin'ny alitara. 21 Ary ren'i Yaveh ny hanitra ankasitrahana ka niteny tao am-pony hoe: "Tsy hanozona ny tany noho ny olombelona intsony Aho, na dia ratsy hatramin'ny fahazazany aza ny fisainan'ny fon'ny olona. Ary tsy handringana ny zava-manan'aina intsony Aho, tahaka izay nataoko. 22 Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny ririnina sy ny fahavaratra, ary ny andro sy ny alina."
"nahatsiaro" na "niheritreritra momba"
Izany dia ilazana ny vata lehibe izay afaka mitsikafona eny ambony rano na dia amin'ny tafiotra be aza. "sambo lehibe" na "sambo". Adikao toy ny ao amin'ny 6:13 izany.
"Nitsahatra ny fihavian'ny rano avy amin'ny tany ary ny orana dia nitsahatra niraraka." Afaka atao izany hoe: DH: " Nakaton'Andriamanitra ny loharanon'ny lalina sy ny varavarakelin'ny lanitra"
"rano avy any ambanin'ny tany." Jereo ny nandikana izany tany amin'ny 7:11.
Ilazana ny fitsaharan'ny orana izany. Manoritsoritra ny lanitra toy ny tafo izay mitazona ny rano any ambony tsy hilatsaka ambany amin'ny tany izany. Rehefa mikatona ny varavarakely, na ny varavarana, any an-danitra, dia mitsahatra ny fihavian'ny rano avy amin'izy ireo. DH:"mikatona ny lanitra" na "mikatona ny varavarakelin'ny lanitra." Jereo ny nandikana ny "varavarakelin'ny lanitra" ao amin'ny 7:11.
"niantsona" na "nijanona teo amin'ny tany mafy"
Satria i Mosesy no nanoratra ity boky ity, dia mety ho nampiasa ny volana faha fito sy faha folo amin'ny tetiandro Hebreo, ho fanovozan-kevitra amin'ny fanisana izy, kanefa tsy dia azo antoka izany.
"amin'ny andro voalohany amin'ny volana faha folo"
Azo atao mazava kokoa izany: "niseho teo ambonin'ny velaran'ny rano."
Nampiasaina izany teny izany eto hanamarihana ny tranga manandanjan'ny tantara: ny fiantombohan'ny safo-drano. Raha manana fomba filazana izany ny teninao dia mihevera hampiasa izany eto.
Ny andian-teny "izay namboariny" dia miresaka ny varavarakely. Ny fiteny sasany dia mety mila manasaraka izany andian-teny izany: "Namboatra varavarakely tao amin'ilay sambo i Noa. Ary rehefa afaka efapolo andro dia namoha ny varavarankely izy"
vorona mainty izay mifototra amin'ny fihinana ny nofon'ny fatim-biby
Midika izany fa nandao ny sambo ary niverimberina ilay goaika.
Azo atao izany hoe: "mandra-pifokan'ny rivotra ny rano" na "mandra-pahamainan'ny rano"
"hijanonana" na "hitsahatra." Ny dikany izany dia mijanona eo amin'ny zavatra iray mba haka aina amin'ny fanidinana.
Ny teny hoe : "voromailala" amin'ny tenin'ny mpanoratra dia manondro ny vaviny. Afaka adikanao amin'ireo mpisolo manodro "an'izany ... izany ... izany" na "Azy ... izy ... an'azy", ireo andian-teny ireo, miankina amin'izay ilazana ny "voromailala" amin'ny teninao.
Raha mampiasa mpisolo manondro lahy ho an'ny teny "voromailala" ianao, dia afaka mampiditra ny anaran'i Noa eto mba hisorohana ny fifangaroana: "namoaka voromailala i Noa," "Naninjitra ny tanany i Noa," sns
"mihainoa " na "zavatra manan-danja izao"
"ravina izay notangosany tamin'ny hazo oliva"
"notapahana"
"mbola niandry hafitoana indray izy"
Raha tsy azon'ny olona izany, dia afaka ataonao mazava: "Tsy niverina teo aminy intsony izy satria nahita toerana hijanonana."
Nampiasaina izany teny izany eto hanamarihana ny tranga manandanjan'ny tantara: ny fiantombohan'ny safo-drano. Raha manana fomba filazana izany ny teninao dia mihevera hampiasa izany eto.
"tamin'ny Noa 601 taona"
Satria i Mosesy no nanoratra ity boky ity, dia mety ho nampiasa ny volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo, ho fanovozan-kevitra amin'ny fanisana izy, kanefa tsy dia azo antoka izany.
Azo atao izany hoe: DH: "ny tany izay nandrakotra ny tany dia ritra" na "nohamainin'ny rivotra ny rano nandrakotra ny tany"
Izany dia ilazana ny rakotra izay mitazona ny ranon'orana tsy hiditra ao anatin'ilay sambo fiara.
Ny teny "indro" dia miteny amintsika mba hihaino tsara ny amin'ny fampahafantarana manan-danja izay ho avy manaraka eto.
andro fahafiton'ny volana - "tamin'ny andro fahafito amby roampolon'ny volana faharoa." Mety mifananaraka amin'ny volana faharoan'ny tetiandro Hebreo izany, kanefa tsy dia azo antoka izany.
"tena maina tanteraka ny tany" (UDB)
"Miala ... Ento." misy ireo fandikan-teny izay mamaky hoe: "Mivoaha ... Ento mivoaka."
"ireo karazana zava-manan'aina rehetra." Jereo ny nandikanao ny "nofo rehetra" ao amin'ny 6:11.
Fomba fiteny izany. Jereo ny nandikana izany ao amin'ny 1:28. Tian'Andriamanitra hiteraka ny olombelona sy ny biby, mba ho maro ny tahaka azy ireo.
Ny fandikan-teny sasany mamaky hoe: "Nivoaka avy ao i Noa."
"amin'ny andiany araka ny karazany avy"
"Nanamboatra alitara voatokana ho an'i Yaveh" na "Nanamboatra alitara hiderana an'i Yaveh." Mety namboariny tamin'ny vato izany.
Eto ny "madio" dia midika fa navelan'Andriamanitra hatao fanatitra ireo biby ireo. Misy biby hafa izay tsy fanao fanatitra ary nantsoina hoe :"maloto."
Namono ny biby i Noa ary nandoro azy ireo tanteraka ho fanatitra ho an'Andriamanitra. DH: "nandoro ny biby ho fanatitra ho an'i Yaveh"
Izany dia tahaka ny fofona manitrin'ny hena natono.
Eto ny teny hoe: "fo" dia ilazana ny fisainana sy ny fihetseham-pon'Andriamanitra.
"manao zavatra tena ratsy ho an'ny tany" (UDB)
Afaka atao mazava kokoa izany: " satria mpanota ny olombelona."
"hatramin'ny fahakeliny dia efa nirona hanao zava-dratsy izy ireo" na "raha mbola tanora izy ireo, dia te hanao zava-dratsy"
Eto ny teny hoe: "fo" dia ilazana ny fisainana, ny fihetseham-po, ny filana, ary ny lalan'ny olona. DH: "ny fironan'izy ireo" na "ny fahazaran'izy ireo"
Izany dia ilazana ny zaza taloha. DH: "hatramin'ny fahatanorany"
"Raha mbola mitoetra ny tany" na "Raha mbola misy koa ny tany"
"ny fotoan'ny fambolena"
Ireo fomba filaza roa ireo dia samy ilazana ny toetr'andro roa lehibe ao anatin'ny taona. Ireo mpandika teny dia mety hampiasa ny fomba filazana misy any an-toerana.
ilay fotoana mafana, maina ao anatin'ny taona
ilay mangatsitsiaka, mando na ny fotoan'ny oram-panala ao anatin'ny taona
"tsy hitsahatra ny hisy" na "tsy hitsahatra ny hiseho." Afaka atao filaza tsy mandà izany. DH: "hitohy hatrany"
1 Avy eo Andriamanitra nitso-drano an'i Noa sy ireo zanany lahy, ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Maroa fara, mihabetsaha, ary mamenoa ny tany. 2 Ny tahotra sy ny horohoro anao dia ho eo amin'ireo biby izay miaina ambonin'ny tany, ny voron'ny habakabaka, eo amin'ny zava-drehetra izay mandeha any ambanin'ny tany, ary amin'ny hazan-dranomasina rehetra. Atolotra eo an-tananao ireo. 3 Ny zava-drehetra izay miaina dia ho ataonareo sakafo. Ankehitriny Aho dia manolotra anareo ny zava-drehetra tahaka ny nanomezako anareo ireo zava-maniry maitso. 4 Saingy ianareo dia tsy tokony hihinana hena miaraka amin'ny ainy_izany dia ny ràny_ ao anatiny. 5 Fa ho an'ny rànareo, ny aina izay ao anatin'ny rànareo, dia hitaky ny vidiny Aho. Avy amin'ny tanan'ireo biby no hitakiko izany. Avy amin'ny tanan'ny olona izay namono ny rahalahiny no hitakiko ny saran'ny fiainan'izany olona izany. 6 Na iza na iza mandatsaka ain'ny olona iray, dia olona no andatsaka ny ainy, fa tamin'ny endrik'Andriamanitra no nanamboarany ny olona. 7 Raha ny aminareo, dia maroa fara ary mitomboa, miparitaha manerana ny tany ary mitomboa eo amin'izany." 8 Avy eo Andriamanitra niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy niaraka taminy, nanao hoe: 9 "Raha ny Amiko, dia henoy! Hanamafy ny fanekena nataoko taminareo sy ny taranakareo ao aorianareo Aho, 10 sy ireo biby manan'aina izay miaraka aminareo, ireo vorona, biby fiompy, ary ireo zava-manan'aina rehetra ambonin'ny tany miaraka aminareo, hatramin'ireo rehetra izay avy tao amin'ny sambo-fiara, hatramin'ny zava-manan'aina rehetra ambonin'ny tany. 11 Izao Aho dia hanamafy ny fanekeko nataoko taminareo, fa tsy hisy safo-drano hamotika ny nofo rehetra intsony. Ary tsy hisy safo-drano handrava ny tany intsony." 12 Hoy Andriamanitra hoe: "Izao no famantarana an'ilay fanekena izay ataoko eo Amiko sy eo aminareo ary ireo zava-manan'aina miaraka aminareo, ho an'ireo taranaka ho avy: 13 efa nametraka avana teny amin'ny rahona Aho, ary izany no ho famantarana ny fanekena eo Amiko sy ny tany. 14 Izany dia hitranga rehefa handrakotra ny tany amin'ny rahona Aho ary ho tazana eny amin'ny rahona ny avana, 15 avy eo dia ho tsaroako ny fanekeko, izay nisy tamiko sy taminareo ary ireo zava-manan'ainan'ny nofo rehetra. Tsy ho tonga safo-drano hanimba ny nofo rehetra intsony ireo rano. 16 Ny avana dia ho eny amin'ireo rahona ary hahita izany Aho, mba hahatsiarovana ny fanekena teo amin'Andriamanitra sy ireo zava-manan'ain'ny nofo rehetra izay eny ambonin'ny tany." 17 Avy eo Andriamanitra niteny tamin'i Noa hoe: "Io no famantarana an'ilay fanekena nataoko tamin'ny nofo rehetra izay ambonin'ny tany." 18 Ireo zanak'i Noa izay nivoaka tao amin'ilay sambo-fiara dia i Sema, Hama ary Jafeta. Hama dia rain'i Kanana. 19 Ireo telo ireo no zanak'i Noa, ary avy amin'izy ireo no nahafeno olona ny tany. 20 Nanomboka namboly i Noa, ary namboly voaloboka izy. 21 Nisotro ny sasany tamin'ireo divay izy ka mamo. Natory tsy nirakotra tao amin'ny lainy izy. 22 Avy eo Hama, rain'i Kanana, nahita ny rainy nitanjaka ka niteny tamin'ireo rahalahiny tany ivelany. 23 Ka naka akanjo lava i Sema sy Jafeta ary nametraka izany teo amin'ny sorok'izy ireo roa, ary nankao aorina nampitafy ny rain'izy ireo nitanjaka. Nitodi-doha izy ireo, ka tsy nahita ny fitanjahan'ny rain'izy ireo. 24 Rehefa taitra avy tamin'ny fahamamoany i Noa, dia nahafantatra ny nataon'ilay zanany faralahy taminy. 25 Ka hoy izy hoe: "Ho voahozona anie Kanana. Ho isan'ireo mpanompon'ireo rahalahiny anie izy." 26 Niteny koa izy hoe: "Hoderaina anie i Yaveh, Andriamanitr'i Sema, ary ho mpanompony anie i Kanàna. 27 Hanitatra ny fari-tanin'i Jafeta anie Andriamanitra, ary hamela azy hanorina ny tranony eo amin'ireo lain'i Sema. Ho mpanompony anie i Kanana." 28 Taorian'ny safo-drano, dia niaina dimampolo amby telonjato taona i Noa." 29 Ny fotoana niainan'i Noa dia dimanpolo amby sivinjato taona, ary nodimandry izy avy eo.
Tso-dranon'Andriamanitra izany. Niteny an'i Noa sy ny fianakaviany hamokatra olombelona maro tahaka azy ireo, mba ho maro ny tahaka azy ireo. Ny teny "mamokara" dia manazava ny "hiterahany maro". Jereo ny nandikanao izany baiko izany ao amin'ny 1:28.
Ny mpanoratra dia miresaka ny tahotra sy ny horohoro toy ny hoe zavatra manana toe-batana ka afaka mankany amin'ny biby. DH: "Ny biby miaina rehetra ... sy ny hazan-dranomasina rehetra dia hihorohoro'ny tahotra anao"
Ny teny "tahotra" sy "horohoro" dia mitovitovy dika ihany ary hanasongadinana ny fahatahoran'ireo biby ny olombelona. DH: "Horohoron'ny tahotra anao" na "tahotra anao mahatsiravina"
Voalohany amin'ny vondrona efatrin'ny biby izay notanisain'ny mpanoratra izany, fa tsy famintinana ny ambin'ny biby izay holazainy manaraka.
Izany dia entina ilazana amin'ny ankapobeny ireo zavatra manidina. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:20.
Ao anatin'izany ny karazana bibikely rehetra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:24.
Ny tanana dia sarin-teny ilazana ny fahefana izay ananan'ny tanana. Azo atao izany hoe: "Omena ho eo ambany fahefanao izy ireo" na "Nataoko ho eo ambany fahefanao izy ireo"
Nanohy niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy Andriamanitra.
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny rà dia famantaran'ny fiainana." Afaka manampy fanamarihana ambany pejy ihany koa izy ireo hoe: "Nandidy ny vahoakany Andriamanitra tsy hihinana hena raha mbola ao anatin'izany ny ràny."
Nanohy niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy Andriamanitra.
Manohitra ny ràn'olombelona amin'ny ràn'ny biby (9:1).
Milaza izany fa ilay rà dia nalatsaka, na nararaka, na nanaparitaka. DH: "raha misy olona manao izay hirarahan'ny rànareo" na "raha misy olona nanaparitaka ny rànareo" na "raha misy olona mamono anao"
Ilazana ny fiainana ara-batana izany.
Ilazana ny fahafatesan'ny mpamono olona, fa tsy vola izany vidiny izany. DH: "Hitaky ny sandany amin'ny olona izay mamono anareo Aho"
Eto ny teny hoe: "tanana" dia ilazana ny iray izay tompon'andraikitra tamin'ny zavatra izay niseho.
"Hotakiako amin'ny biby izay mamono ny ainareo ny sandany"
"Hotakiako sandany izay olona mamono ny ain'ny olona hafa"
Izany andian-teny izany dia ilazana ilay olona amin'ny fomba manokana kokoa. DH: "avy amin'izany olona izany ihany"
Eto ny "rahalahy" dia ilazana ny havana, ny mpiray foko, fianakaviambe, na vondron'olona amin'ny ankapobeny.
Ny fandatsahan-drà dia sarin-teny ilazana ny famonoana olona. Midika izany fa raha misy olona mamono olona, dia olona hafa no tsy maintsy hamono azy. Na izany aza, ny "rà" dia tena manan-danja eto amin'ity andalana ity ary tokony ampiasaina ao amin'ny fandikan-teny raha azo atao. Adikao ny "mandatsa-drà" amin'ny teny izay milaza fahaverezana'ny rà be ka mahatonga fahafatesana.
"Fa nanao ny olona ho tahaka Azy Andriamanitra" na "Fa nanao ny olona ho tahaka ny endriko ihany Aho"
Tso-dranon'Andriamanitra izany. Niteny an'i Noa sy ny fianakaviany hamokatra olombelona maro tahaka azy ireo, mba ho maro ny tahaka azy ireo. Ny teny "mamokara" dia manazava ny "hiterahany maro". Jereo ny nandikanao izany baiko izany ao amin'ny 1:28.
Efa niresaka tamin'izy ireo Andriamanitra. Izany andian-teny izany dia manamarika ny fiovana ny amin'izay horesahan'Andriamanitra. DH: "Nanohy niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy Andriamanitra" na "Ary dia nanohy niresaka Andriamanitra"
Izany andian-teny izany dia ampiasain'ny teny Anglisy hanamarihana ny fiovana amin'izay resahan'Andriamanitra mahakasika izay tokony hataon'i Noa sy ireo zanany lahy sy izay hataon'Andriamanitra.
"hanao fanekena amiko sy aminao" Adikao toy ny ao amin'ny 6:18.
Nanohy niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy Andriamanitra.
"Amin'ny filazana hoe, hanao ny fanekeko aminao Aho." Jereo ny nandikana ny teny mitovy ao amin'ny 6:18.
Ireo mety ho heviny dia: 1)ny olombelona rehetra na 2) ny manana vatana rehetra, dia ny olona sy ny biby.
"Tsy hisy safo-drano handrava ny tany intsony mandrakizay." Hisy safo-drano, kanefa tsy handrava ny tany manontolo izany.
Izany dia midika ho fampatsiahivana ny zavatra izay nampanantenaina.
Mihatra amin'i Noa sy ny fianakaviany ary ny taranaka fara mandimby rehetra ihany koa izany.
Nanohy niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy Andriamanitra.
"na oviana na oviana." Izany dia zavatra izay hitranga matetika.
Tsy mazava izay olona hahita ilay avana, kanefa satria ilay fanekena dia amin'i Yaveh sy ny olona, raha mila miteny izay hahita ny avana ianao, dia tsara indrindra raha lazainao ny anaran'i Yaveh sy ny olona. Azo adika izany hoe: DH "Izao sy ny olona dia nahita ny avana"
taratra hazavana miloko marevaka izay miseho mandritra ny orana rehefa miposaka avy ao aorian'ny mpijery ny masoandro
Tsy midika izany fa mora manadino Andriamanitra. DH: "Handinika ny fanekeko Aho"
Miresaka an'i Noa sy ny zanany lahy Andriamanitra.
"ny karazana zava-manan'aina rehetra"
Ireo mety ho heviny dia: 1)ny olombelona rehetra na 2) ny manana vatana rehetra, dia ny olona sy ny biby. Jereo ny nandikana izany ao amin'ny 6:11.
Nanohy niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy Andriamanitra.
"mba hotadidiko" na "mba hisainako izany"
Andriamanitra no miresaka eto. DH: "eo amiko sy ny zava-manan'aina rehetra"
"ny karazana zava-manan'aina rehetra." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 9:14.
Efa niresaka tamin'Andriamanitra i Noa. Izany andian-teny izany dia manamarika ny fizarana farany ny amin'izay nolazain'Andriamanitra. DH: "avy niteny tamin'i Noa Andriamanitra" na "ary Andriamanitra niteny tamin'i Noa"
Ny andininy faha 18-19 dia mampiditra ireo zanaka telo lahin'i Noa, izay ho fizarana manan-danja tokoa ao amin'ny tantara manaraka.
Ray niteraka an'i Kanana i Hama.
"olon'ny saha (tany)"
"nisotro divay be"
Ny lahatsoratra dia tsy mamaritra manokana izay tsy nirakotra tamin'ny vatan'i Noa raha nandry tamin'ny hamamoana izy. Ny fihetsik'ireo zanany lahy dia maneho fa nahamenatra izany.
Ilazana an'i Noa izany.
Ao amin'ny andininy faha 25-27 i Noa dia manonona ozona ho an'i zanak'i Hama ary tso-drano ho an'ny rahalahin'i Hama. Izay nolazain'i Noa mahakasika azy ireo dia mihatra koa amin'ireo taranany, araka izay haseho ao amin'ny UDB.
Ny andian-teny mifandimby ao amin'ity andininy ity dia notapatapahana mba hanehoana fa hay kanto izany. Raha azonao atao, dia tazomy ny endrik'ireo andininy ireo mba hanehoana amin'ny mpamaky fa hay kanto izany.
"nisava hamamona"
Ilazana an'i Hama izany. DH: " ny zanany faralahy, dia Hama"
"manozona an'i Kanana Aho" na "Hitranga amin'ny Kanana anie ireo zava-dratsy"
Iray amin'ny zanaka lahin'i Hama izany. DH: "Kanana zanaka lahin'i Hama"
"ny mpanompo ambany indrindra an'ireo rahalahiny" na "ny tsy manan-danja indrindra amin'ireo mpanompon'ireo rahalahiny"
Mety ilazana ireo rahalahin'i Kanana na ny havan'izy ireo amin'ny ankapobeny izany.
Raha azonao atao, dia tazomy ny endrik'ireo andininy ireo mba hanehoana amin'ny mpamaky fa hay kanto izany.
"Hankalazaina anie Yaveh, ilay Andriamanitr'i Sema," na "Yaveh, ilay Andriamanitr'i Sema, dia mendrika ny fiderana" na "Midera an'i Yaveh aho, ilay Andriamanitr'i Sema" (UDB)
"Aoka i Kanàna ho mpanompon'i Sema." Tafiditra ao amin'izany ireo taranak'i Kanàna sy Sema.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hataon'Andriamanitra lehibe anie ny fari-tanin'i Jafeta" (UDB) na 2) "Andriamanitra anie hahamaro ny taranak'i Jafeta."
"ary hamela azy hiaina am-pilaminana (fiadanana) miaraka amin'i Sema." Tafiditra ao anatin'izany ireo taranak'i Jafeta sy Sema.
"Aoka ho mpanompon'i Jafeta i Kanana." Tafiditra ao anatin'izany ireo taranak'i Jafeta sy Sema.
1 Ireto avy ny taranak'ireo zanaka lahin'i Noa, dia i Sema, Hama sy Jafeta. Niteraka zaza lahy izy ireo taorian'ny safo-drano. 2 Ireo zanaka lahin'i Jafeta dia i Gomera, Magoga, Maday, Javana, Tobala, Meseka, sy Tirasa. 3 Ireo zanaka lahin'i Gomera dia i Askenaza, Rifata sy Togarma. 4 Ireo zanaka lahin'i Javana kosa dia i Elisaha, Tarsisy, Kitima, sy Dodanita. 5 Nanomboka teo ny nizarazaran'ireo olon'ny moron-tsiraka ary samy nankany amin'ny taniny avy izy ireo, samy nanana ny fiteniny avy, araka ny fokon'izy ireo, araka ny firenen'izy ireo. 6 Ireo zanaka lahin'i Hama dia i Kosy, Mizraima, Pota ary Kanana. 7 Ireo zanaka lahin'i Kosy dia i Seba, Havila, Sabta, Ragama ary Sabteka. Ireo zanaka lahin'i Ragama kosa dia Seba sy Dedana. 8 Kosy dia niteraka an'i Nimroda, izay lehilahy mpandresy voalohany tety an-tany. 9 Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan'i Yaveh. Izany no nilazana hoe: '"Toa an'i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan'i Yaveh." 10 Ireo ivon'ny fanjakany voalohany dia Babela, Ereka, Akada, Kalne, izay tao amin'ny tany Sinara. 11 Niala tamin'izany tany izany izy ka nankany Asyria ary nanorina an'i Ninive, Rehobot-ira sy Kala 12 ary Resena, izay teo anelanelan'i Ninive sy Kala. Tanàna lehibe izany. 13 Mizraima niteraka ny Lodita, ny Anamita, ny Lehabita, ny Naftohita, 14 ny Patrosita, ny Kaslohita (avy amin'ireo no niavian'ny Filistina), ary ny Kaftorita. 15 Kanana niteraka an'i Sidona, lahimatoany, sy Heta, 16 ary koa ireo Jebosita, ireo Amorita, ireo Girgasita, 17 ireo Hivita, ireo Arkita, ireo Sinita, 18 ireo Arvadita, ireo Zemarita, sy ireo Hamatita. Taty aoriana dia niely ny fokon'ireo Kananita. 19 Ny faritany Kananita dia nanomboka teo Sidona, mitohy mankany Gerara ka hatrany Gaza, ary ny iray izay mankany Sodoma, Gomora, Adma, ary Zeboima, ka hatrany Lasa. 20 Ireo no zanak'i Hama, araka ny fokon'izy ireo, araka ny fiteniny avy, tao amin'ny tanin'izy ireo, ary tao amin'ny firenen'izy ireo. 21 Niteraka zaza lahy ihany koa i Sema, ilay zokin'i Jafeta lahimatoa. Razamben'ireo olona rehetra avy ao Ebera ihany koa i Sema. 22 Ireo zanaka lahin'i Sema dia i Elama, Asyra, Arpaksada, Loda ary Arama. 23 Ireo zanaka lahin'i Arama dia i Oza, Hola, Gatera ary Masy. 24 Ary Arpaksada niteraka an'i Sela, ary Sela niteraka an'i Ebera. 25 Nanana zanaka roa lahy i Ebera. Ny anaran'ny iray dia i Palega satria tamin'ny androny dia voazara ny tany. Joktana no anaran'ny rahalahiny. 26 Joktana niteraka an'i Almodada, Salefa, Hazarmaveta, Jera, 27 Hadorama, Hozala, Dykla, 28 Obala, Abimaela, Sheba, 29 Ofira, Havila ary Jobaba. Ireo rehetra ireo dia zanaka lahin'i Joktana. 30 Ny faritanin'izy ireo dia nanomboka teo Mesa, hatrany Sefara, tendrombohitra atsinanana. 31 Ireo no zanaka lahin'i Sema, araka ny foko sy ny fitenin'izy ireo, tao amin'ny tanin'izy ireo, araka ny firenen'izy ireo. 32 Ireo no fokon'ireo zanak'i Noa, araka ny firazanan'izy ireo, araka ny firenen'izy ireo. Avy amin'ireo no nampisaraka ireo firenena ka niparitaka nanerana ny tany tao aorian'ny safo-drano.
"Fitanisana ny zanaka lahin'i Noa izany." Izany andian-teny izany dia mampiditra ny fitanisana ny taranak'i Noa ao amin'ny Genesisy 10: 1-11:9.
"ireo zanaka lahin'i Javana sy ireo taranany dia nisaraka ka nifindra ho any amin'ny moron-tsiraka sy any amin'ireo nosy"
Ilazana ny olona izay mipetraka any amin'ny faritany sy any amin'ireo nosy.
"ny tanindrazan'izy ireo." Toerana izay hifindran'ny olona ka hipetrahany izany.
"Ny isam-bondron'olona samy miteny ny fiteniny avy" na "Ny isam-bondron'olona dia nizara araka ny fitenin'izy ireo"
Ny Mizraima dia anarana Hebreon'ny hoe: "Egypta."
Ireo mety ho heviny dia 1) "mpiady mahery" na 2) '"lehilahy mahery" na 3)" mpanapaka mahery."
Ireo mety ho heviny dia 1)"eo imason'i Yaveh" na 2) "amin'ny fanampian'i Yaveh"
Mampiditra ohabolana izany. Ny fiteninao dia mety manana fampidirana ny ohabolana sy fomba fiteny amin'ny fomba hafa. DH: "Izany no mahatonga ny olona hiteny hoe / "izany no mahatonga ny fitenenana hoe"
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo ivony voalohany izay nampiroboroboany na 2) ireo tanàna manan-danja.
"nankany Asyria i Nimroda"
Nitohy ny fitanisana ireo taranak'i Noa.
Iray amin'ireo zanaka lahin'i Hama i Mizraima. Lasa olon'i Egypta ireo taranany. Mizraima dia anarana Hebreon'ny hoe: "Egypta."
Ireo anarana ireo dia ilazana ny vondron'olona lehibe izay taranaka avy amin'ny Kanana.
"faritany" na "sisin'ny faritanin'izy ireo"
Azo atao mazava ny hoe lalana mankany atsimo. DH: "avy any amin'ny tanànan'i Sidona any atsimo ka hatrany amin'ny farany atsimon'i tanànan'i Gaza, izay eo akaikin'i Gerara"
Ny hoe lalana mankany "atsinanana" na "afovoan-tany" dia afaka atao mazava raha ilaina. DH: "ary miatsinanana mankany Sodoma, Gomora, Adma, sy any amin'ireo tanànan'i Zeboima, ka hatrany Lasa"
Ny teny hoe "ireo" dia ilazana ny olona sy ny vondron'olona izay notanisaina tao amin'ny andininy 10:6.
"nisaraka araka ny fiteniny isan-karazany avy"
"tany amin'ny tanindrazan'izy ireo"
Arpaksada dia iray amin'ny zanaka lahin'i Sema.
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny anarana hoe Palega dia midika hoe: 'fizarana."'
Azo atao izany hoe: DH: "nizara ny olon'ny tany" na "nisaraka ny olon'ny tany" na "Nozarain'Andriamanitra ny olon'ny tany"
iray amin'ny zanaka lahin'i Ebara i Joktana.
Ny "Ireo" eto dia ilazana ny zanaka lahin'i Joktana.
"Ny tany izay eo ambany fifehezany" na "Ny tany izay hitoerany"
Ny teny hoe "ireo" dia ilazana ireo taranak'i Sema (10:21).
Ilazana ny olona rehetra notanisaina tany amin'ny 10:1.
"voatanisa araka ny"
" Avy amin'ireo foko ireo no nampisaraka ireo firenena ka niparitaka nanerana ny tany" na "Nizara ireo foko ireo ary nahatonga ireo firenen'ny tany"
Azo atao mazava tsara izany na mazava kokoa. DH: "tao aorian'ny nandravan'ny tany ny safo-drano"
1 Ary ny tany iray manontolo dia nampiasa fiteny iray sy teny iombonana. 2 Raha nandeha niatsinanana izy ireo, dia nahita lohasaha tao amin'ny tanin'i Sinara ka nanorim-ponenana tao. 3 Nifampilaza izy ireo hoe: "Andao, hanao biriky isika ka handoro tsara izany." Biriky no nananan'izy ireo fa tsy vato ary molanga ho feta. 4 Hoy izy ireo hoe: "Andeha isika hanangana tanàna sy tilikambo izay hanakatra ny lanitra ny tendrony, ary aoka hamoronantsika anarana ho antsika izany. Raha tsy manao izany isika, dia hiparitaka manerana an'izao tontolo rehetra izao." 5 Noho izany dia nidina Yaveh mba hijery ilay tanàna sy ilay tilikambo izay natsangan'ireo taranak'i Adama. 6 Hoy Yaveh hoe: "Indro, vahoaka iray mitovy fiteny ihany ireo, ary manomboka manao izany izy ireo! Atsy ho atsy dia tsy hisy zavatra izay kasain'izy ireo hatao ka tsy ho vitan'izy ireo. 7 Koa, andeha isika hidina ka hampifangaro ny fitenin'izy ireo eny, mba tsy hifankahazo izy ireo." 8 Ka naparitak'i Yaveh avy teo hanerana ny velaran-tany rehetra izy ireo ary natsahatr'izy ireo ny fananganana ny tanàna. 9 Noho izany, dia natao hoe Babela ny anaran'izany, satria tao no nanafangaron'i Yaveh ny fitenin'ny tany iray manontolo ary avy tao no nanaparitahan'i Yaveh azy ireo tany ivelany manerana ny velaran-tany rehetra. 10 Ireto ny taranak'i Sema. Zato taona i Sema, ary roa taona taorian'ny safo-drano dia niteraka an'i Arpaksada izy. 11 Mbola velona dimanjato taona izy rehefa tonga rain'i Arpaksada izy. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 12 Rehefa feno dimy amby telopolo taona i Arpaksada, dia niteraka an'i Sela. 13 Niaina 403 taona i Arpaksada taorian'ny niterahany an'i Sela. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 14 Rehefa niaina telopolo taona i Sela, dia niteraka an'i Hebera. 15 Mbola niaina 403 taona i Sela taorian'ny niterahany an'i Hebera. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 16 Rehefa niaina efatra amby telopolo taona i Hebera, dia niteraka an'i Pelega. 17 Mbola niaina 430 taona i Hebera taorian'ny niterahany an'i Pelega. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 18 Rehefa niaina telopolo taona i Pelega, dia niteraka an'i Reho. 19 Mbola niaina 209 taona i Pelega taorian'ny niterahany an'i Reho. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 20 Rehefa niaina roa amby telopolo taona i Reho, dia niteraka an'i Seroga. 21 Mbola niaina 207 taona i Reho taorian'ny niterahany an'i Seroga. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 22 Rehefa niaina telopolo taona i Seroga, dia niteraka an'i Nahora. 23 Mbola niaina roanjato taona i Seroga taorian'ny niterahany an'i Nahora. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 24 Rehefa niaina sivy amby roapolo taona i Nahora, dia niteraka an'i Tera. 25 Mbola niaina 119 taona i Nahora taorian'ny niterahany an'i Tera. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 26 Rehefa niaina fitopolo taona i Tera, dia niteraka an'i Abrama, Nahora sy Harana. 27 Ary ireto ireo taranak'i Tera. Niteraka an'i Abrama, Nahora ary i Harana i Tera, ary Harana niteraka an'i Lota. 28 Harana dia maty tao amin'ny tany nahaterahany raha mbola velona i Tera rainy, tao Ora tao Kaldeana. 29 Nanambady i Abrama sy Nahora. Saray no anaran'ny vadin'i Abrama, ary ny anaran'ny vadin'i Nahora dia i Milka, zanaka vavin'i Harana, izay rain'i Milka sy Iska. 30 Ary Saray dia momba; tsy nanan-janaka izy. 31 Nentin'i Tera i Abrama zanany lahy, Lota zanaka lahin'i Harana zanany, sy Saray vinantovaviny, vadin'i Abrama zanany lahy, ary niaraka niala tao Ora tao Kaldeana izy ireo, mba ho any amin'ny tany Kanana. Fa nankany Harana izy ireo ary nijanona tao. 32 Niaina 205 taona i Tera ary avy eo dia maty tao Harana.
Izany teny izany dia maneho fa manomboka fizaran-tantara vaovao ny mpanoratra.
ny olona rehetra manerana ny tany
Izany andian-teny roa izany dia mitovitovy hevitra ihany ary manasongadina fa ny olona rehetra dia miteny amin'ny fiteny mitovy.
"nifindra" na "nifindrafindra"
Ireo mety ho heviny dia 1) "tany atsinanana" na 2) "avy any atsinanana" na 3)" ho any atsinanana." Ny safidy tsara indrindra dia "tany atsinanana" satria Sinara dia any atsinanan'ny toerana izay noheverin'ny manam-pahaizana fa niantsonan'ny sambo fiara.
Nitsahatra nifindrafindra ary nanomboka nonina tao amin'ny toerana iray
Raha manana fomba ilazana ny fahamaikana sy ny fibaikoana olona hanomboka asa ny fiteninao, tahaka ny teny Anglisy "Koa ndeha!" dia afaka ampiasainao eto izany.
Mamboatra ny biriky amin'ny tanimanga ka mandoro izany amin'ny lafaoro tena mahamay ny olona mba hahamafy sy hampateza izany.
zavatra matevina, miraikitra, ranon-javatra mainty izay avy amin'ny tany
Zavatra matevina izay natao tamin'ny vovon-tsokay, tanimanga, fasika, ary rano izay nampiasaina hampiraiketana ny vato na ny biriky hitambatra.
"Aoka isika hanitatra /hahalehibe ny lazantsika"
"laza"
Azo atao izany hoe: DH: "hotafasaraka isika ary hipetraka any amin'ny toerana samy hafa"
"ny olona"
Afaka atao mazava ny mahakasika ny toerana izay nidinany: " nidina avy any an-danitra." Tsy milaza izay fomba nidinany izany. Mampiasa teny mahalaza ny hoe "nidina" amin'ny ankapobeny.
"mba handinika" na "mba hijery akaiky kokoa"
Ny vahoaka rehetra dia vondrona iray lehibe ary niresaka tamin'ny fiteny mitovy.
Ireo mety ho heviny dia 1)" efa nanomboka nanao izany izy ireo," izay midika fa efa nanomboka namboatra ny tilikambo izy ireo ary mbola tsy vita izany, na 2)"izany ihany no zavatra voalohany efa nataon'izy ireo", izay midika fa amin'ny ho avy dia hanao zavatra lehibe kokoa izy ireo.
Azo atao izany hoe: DH" ny zavatra rehetra izay kasain'izy ireo atao dia ho vitan'izy ireo"
Raha manana fomba ilazana ny fahamaikana sy ny fibaikoana olona hanomboka asa ny fiteninao, tahaka ny teny Anglisy "Koa ndeha!" dia afaka ampiasainao eto izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 11:3.
Ny teny hoe "isika" dia ilazana an'Andriamanitra. Ao ireo mandika izany hoe: "Aoka Aho hidina" na "hidina Aho." Raha manao izany ianao, mihevara hanampy fanamarihana ambany pejy milaza fa ilazana mpandray anjara maro. Jereo ny fanamarihana ambany pejy amin'ny hoe "Andeha isika hamorona" ao amin'ny 1:26.
Midika izany fa hanatsahatra ny fitenenan'ny olona manerana ny tany amin'ny teny mitovy i Yaveh. DH: " hampifangaro ny fitenin'izy ireo "
Izany no tanjon'ny fampifangarona ny tenin'izy ireo. DH: "mba tsy hahafahan'izy ireo mahazo izay ifampiresahany" (UDB)
"avy teo amin'ilay tanàna"
Ny anarana hoe: "Babela" dia mitovy fanonona amin'ny teny izay midika hoe "mifanjevo." Ireo mpandika teny dia mety te hanampy fanamarihana ambany pejy mahakasika izany.
Midika izany fa nataon'i Yaveh izay tsy iresahan'ny olona maneran-tany amin'ny fiteny mitovy. DH: "nanafangaro ny fiteny manerana ny tany"
Ny ambiny sisa amin'ity toko ity dia mitanisa ireo taranak'i Sema hatrany amin'ny Abrama.
Izany fehezanteny izany no fiantomboan'ny fitanisana Ireo ny taranak'i Sema.
Ilay safo-drano tamin'ny andron'i Noa izany raha tonga ratsy ny olona ka nandefa safo-drano manerana ny tany hanarona ny tany manontolo Andriamanitra.
"nanana an'i Arpaksada zanany lahy" na "teraka i Arpaksada zanany lahy"
anaran-dehilahy
Ireo mpandika teny dia mety hanoratra teny na tarehimarika "100", "2", sy "500." (Ny ULB sy ny UDB dia mampiasa ny tarehimarika raha telo na mihoatra ilay andian-teny; soratana amin'ny teny kosa raha teny iray na roa.)
"teraka i Sela zanany lahy"
anaran-dehilahy
Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 11:12-25 dia manana endrika mitovy. Adikao toy ny nandikanao 11:12.
Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 11:12-25 dia manana endrika mitovy. Adikao toy ny nandikanao 11:12.
Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 11:12-25 dia manana endrika mitovy. Adikao toy ny nandikanao 11:12.
Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 11:12-25 dia manana endrika mitovy. Adikao toy ny nandikanao 11:12.
Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 11:12-25 dia manana endrika mitovy. Adikao toy ny nandikanao 11:12.
Ny fireketana an-tsoratra ao amin'ny Genesisy 11:12-25 dia manana endrika mitovy. Adikao toy ny nandikanao 11:12.
Tsy fantatsika izay filaharan'ny nahaterahan'ireo zanany lahy ireo.
Izany fehezanteny izany no mampiditra ny tantaran'ireo taranak'i Tera. Ny Genesisy 11:27-25:11 dia miresaka momban'ireo taranak'i Tera, indrindra i Abrama zanany lahy. DH: "Tantaran'ireo taranak'i Tera izany"
Midika izany fa maty i Harana raha mbola velona i Tera rainy. DH: "maty i Harana raha mbola velona i Tera, rainy"
"naka ireo vehivavy ho vady"
anaram-behivavy izany.
Izany teny izany dia nampiasaina hampidirana ny fampahafantarana vaovao mahakasika an'i Saray izay hanan-danja ao amin'ireo toko manaraka.
Izany teny izany dia manoritsoritra ny vehivavy izay manana toe-batana tsy afakahitoe-jaza na ho bevohoka.
Eto ny teny "azy/ ...ny" dia ilazana an'i Tera.
vinanto, vadin'i Abrama zanany lahy - "Saray vinantovaviny, izay vadin'ny Abrama zanany lahy"
Anarana roa samy hafa izany ary samy manana ny fanonona azy izany amin'ny Hebreo. Ny iray ilazana olona ary ny iray hafa ilazana tanàna. (Ny '"h" ao amin'ny anaran-tanàna dia tononona mafimafy kokoa nohon'ny "h" ao amin'ny anaran'olona.) Amin'ny fiteninao dia afaka mifidy ny fanonona roa samy hafa ianao mba hanehoana izany.
1 Ary Yaveh niteny tamin'i Abrama hoe: "Mialà amin'ny firenenao, sy amin'ireo havanao, sy amin'ny tokantranon-drainao, hankany amin'ny tany izay hasehoko anao. 2 Hataoko firenena lehibe ianao, ary ho tahiako ianao, ary hataoko lehibe ny anaranao, ary ho fitahiana ianao. 3 Hitahy ireo izay mitahy anao Aho, fa na iza na iza manala baraka anao dia hozoniko. Amin'ny alalanao no hitahiana ireo firenen'ny tany rehetra." 4 Dia nandeha Abrama, araka izay nolazain'i Yaveh hataony, ary nanaraka azy koa i Lota. Dimy amby fitopolo taona i Abrama raha nandao an'i Harana. 5 Abrama nitondra an'i Saray, vadiny, Lota, zana-drahalahiny, ireo fananana rehetra izay voatahirin'izy ireo, sy ireo vahoaka izay azon'izy ireo tao Harana. Niainga ho any amin'ny tany Kanàna izy ireo, ka tonga tao amin'ny tany Kanàna. 6 Nandalo ny tany lavitr'i Sekema i Abrama, hatrany amin'ny hazo terebintan'i More. Ireo kananita no nipetraka tao amin'ilay tany tamin'izany andro izany. 7 Niseho tamin'i Abrama i Yaveh, ka niteny hoe: "Ho an'ireo taranakao no hanomezako ity tany ity." Ary Abrama nanorina alitara tany ho an'i Yaveh, izay niseho taminy. 8 Nifindra nankany amin'ny havoana atsinanan'i Betela izy, izay nanorenany ny lainy, Betela tany andrefana sy Ay tany atsinanany. Teo no nanorenany alitara ho an'i Yaveh sy niantso ny anaran'i Yaveh. 9 Avy eo nanohy ny diany Abrama, nandeha nankany Negeva. 10 Nisy mosary tao amin'ilay tany, ka nidina tany Egypta Abrama mba hitoetra, fa nahery ny mosary tao amin'ilay tany. 11 Rehefa nadiva hiditra an'i Egypta izy, dia niteny tamin'i Saray vadiny hoe: "Indro, fantatro fa tena vehivavy tsara tarehy ianao. 12 Rehefa hitan'ireo Egyptiana ianao dia hiteny izy ireo hoe: 'Ity ny vadiny,' ary dia ho vonoin'izy ireo aho, kanefa ianao ho hazonin'izy ireo ho velona. 13 Teneno hoe anabaviko ianao, mba tsy hampaninona ahy noho ianao, ary mba ho voatsitsy ny aiko noho ianao." 14 Ary tamin'ny fotoana nidiran'i Abrama tao Egypta, dia hitan'ireo egyptiana fa vehivavy tena tsara tarehy tokoa Saray. 15 Hitan'ireo tandapan'i Farao izy, dia nidera azy tany amin'i Farao, ary dia nalaina ho any an-tokantranon'i Farao ravehivavy. 16 Ary nampiadanin'i Farao i Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nanome azy ondry, omby, ampondra lahy, mpanompo lahy, mpanompo vavy, ampondra vavy, ary rameva. 17 Avy eo Yaveh nikapoka an'i Farao sy ny ankohonany tamin'ny loza lehibe noho i Saray, vadin'i Abrama. Nampiantso an'i Abrama i Farao, ka niteny hoe: 18 "Inona ity zavatra izay vitanao tamiko? Nahoana no tsy nolazainao tamiko fa vadinao izy? 19 Nahoana ianao no nilaza hoe: 'Anabaviko izy,' mba hangalako azy ho vadiko? Noho izany, indro ny vadinao. Ento izy, ary andeha zory ny lalanao." 20 Ary Farao nanome baiko ireo lehilahiny nahakasika azy, ary nandefa azy lavitra izy ireo, niaraka tamin'ny vadiny sy izay rehetra nananany.
Nampiasaina mba hanamarika ny fizaran-tantara vaovao izany teny izany.
"Mialà amin'ny taninao, sy amin'ireo fianakavianao"
Ny "ianao" eto dia ilazana an'i Abrama, kanefa i Abrama dia maneho ny taranany. DH: "Avy aminao no hanombohako firenena lehibe" na "hataoko tonga firenena lehibe ireo taranakao"
Ny teny hoe "anarana" dia maneho ny lazan'ny olona iray. DH: "ary hataoko malaza ianao"
Ny teny hoe: "ho an'ny olona hafa" dia voazava. DH: "ho fitahiana ho an'ny olona hafa ianao"
"hozoniko izay rehetra mitondra anao amin'ny fomba maha menatra" na "raha misy mitondra anao toy ny tsy misy dikany, dia hanozona azy Aho"
Azo atao izany hoe: DH: "hitahiana ireo firenen'ny tany rehetra avy aminao Aho"
"noho ianao" na "satria nitahy anao Aho"
Ao anatin'izany ireo biby sy ny fananana izay tsy manan'aina.
Ireo mety ho heviny dia 1) "ireo andevo izay voangon'izy ireo" (UDB) na 2) "ireo olona izay voangon'izy ireo hiaraka aminy."
Ny anaran'i Abrama ihany no voatonona eto satria izy no lohan'ny fianakaviana. Andriamanitra efa nanome azy baiko hitondra ny fianakaviany ary handeha any. DH: "Koa nandeha manerana ny tany i Abrama sy ny fianakaviany"
"ny tany Kanana"
More dia mety ho anaran-toerana tokoa.
"Yaveh, satria efa niseho taminy Izy"
Maro ireo olona niara-nandeha tamin'i Abrama. Ny olona izay mifindrafindra amin'ny toerana iray ho amin'ny toerana hafa dia mipetraka anaty lay. DH: "nanangana ny lain'izy ireo"
"nivavaka tamin'ny anaran'i Yaveh" na "nidera an'i Yaveh"
"Ary Abrama naka ny lainy ka nanohy ny diany."
"nakany amin'ny faritanin'i Negeva" na "nakany atsimo" na "mianatsimo ny efitr'i Negeva" (UDB)
Tsy tsara vokatra tamin'izany vanim-potoana izany. Azo atao mazava izany: DH: "Nisy ny tsy fahampian-tsakafo"
"tao amin'ilay toerana" na "tao amin'ny tany izay nonenan'i Abrama"
ireo mety ho heviny dia 1) "nandeha nianatsimo kokoa" (UDB) na 2) "niala an'i Kanana nankany." Ny tena tsara dia ny mandika izany amin'ny teny fampiasanao andavan'andro milaza ny fandehanana amin'ny toerana avo ho amin'ny toerana iva kokoa.
Ny antony hamonoan'izy ireo an'i Abrama dia azo hazavaina: "ho vonoin'izy ireo aho mba hahafahan'izy ireo manambady anao"
Afaka atao izany hoe: DH: "mba, noho ianao, dia tsy ho vonoin'izy ireo aho"
ireo mety ho heviny dia 1) Izany andian-teny izany eto dia nampiasaina hanamarika ny nanombohan'ny tantara, ary manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia afaka mihevitra ny hampiasa izany eto ianao, na 2)" ary dia izany no niseho" (UDB).
"Hitan'ireo manam-bononahitr'i Farao i Saray" na "Hitan'ireo manam-bononahitr'ny mpanjaka izy" (UDB)
Afaka atao izany hoe: DH: "Nalain'i Farao ho any an-tokatranony izy" na "Nalain'ireo miaramilan'i Farao ho any an-tokatranony izy"
Saray
ireo mety ho heviny dia 1) "Ny havan'i Farao," izay, ho toy ny vady, na 2) "tokantranon'i Farao" na "ny lapan'i Farao," fanalefahan-teny ilazana ny hanaovan'i Farao azy ho iray amin'ireo vadiny.
"noho ny amin'i Saray" na "noho izy"
Azo azavaina misimisy izany: DH: "satria Farao nikasa haka an'i Saray, vadin'i Abrama, ho vadiny"
"niantso an'i Abrama i Farao" na "nandidy an'i Abrama hankany aminy i Farao"
Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Farao mba hanehoana ny hatezerany noho izay nataon'i Abrama taminy. Afaka atao manaitra ihany koa izany. DH: "Nanao zavatra mahatsiravina tamiko ianao!" (UDB).
"ary Farao no nitari-dalana ireo manam-boninahiny mahakasika an'i Abrama"
"ary ireo manam-boninahitra nandefa an'i Abrama ho lavitra an'i Farao, niaraka tamin'ny vadiny sy izay rehetra nananany"
1 Dia niakatra avy tany Egypta i Abrama ary nandeha tao Negeva, izy, ny vadiny, ary izay rehetra nananany. Niaraka tamin'izy ireo ihany koa i Lota. 2 Ary Abrama dia tena nanan-karena biby, volafotsy, ary volamena. 3 Nanohy ny diany avy ao Negeva ho any Betela izy, ho any amin'ny toerana izay nisy ny lainy taloha, anelanelan'i Betela sy Ay. 4 Nandeha tany amin'ilay toerana izay nisy ny alitara izay namboariny teo aloha izy. Teo no niantsoany ny anaran'i Yaveh. 5 Ary Lota, izay nandeha niaraka tamin'i Abrama, dia nanana ondry aman'osy, omby, ary lay ihany koa. 6 Tsy nahazaka ny hiarahan'izy ireo mitoetra ny tany, satria maro be ireo fananany, noho izany dia tsy afaka niara-nipetraka izy ireo. 7 Ary koa, nisy fifandirana teo amin'ireo mpiandry ondrin'i Abrama sy ireo mpiandry ondrin'i Lota. Nipetraka tao amin'ilay tany ireo Kananita sy Perizita tamin'izany fotoana izany. 8 Ka hoy Abrama tamin'i Lota hoe: "Aoka tsy hisy fifandirana amiko sy eo aminao, ary eo amin'ireo mpiandry ondrinao sy ireo mpiandry ondriko; sady mpianakavy rahateo isika. 9 Tsy eo anoloanao ve ny tany iray manontolo? Mandehana tsy am-pihambahambana ary misaraha amiko. Raha mandeha miankavia ianao, dia handeha miankavanana aho. Na raha mandeha miankavanana ianao, dia handeha miankavia aho." 10 Dia nijery nanodidina i Lota, ary nahita fa ny lemak'i Jordana rehetra dia voatondraka tsara na taiza na taiza tamin'ny lalana rehetra mankany Zoara, tahaka ny sahan'i Yaveh, tahaka ny tanin'i Egypta. Izany dia talohan'ny nandravan'i Yaveh an'i Sodoma sy Gomora. 11 Noho izany Lota dia nifidy ny lemak'i Jordana rehetra ho azy ary nandeha niatsinanana, ka nisaraka ireo mpihavana. 12 Nipetraka tany amin'ny tany Kanàna i Abrama, ary Lota nipetraka teo amin'ireo tanànan'ny lemaka. Nanorina ny lainy ho lavitra manakaiky an'i Sodoma izy. 13 Ary ireo olon'i Sodoma dia tena mpanota ratsy fanahy manohitra an'i Yaveh. 14 Niteny tamin'i Abrama i Yaveh tao aorian'ny nialàn'i Lota teo aminy hoe: "Mijere avy eo amin'ny toerana izay hijoroanao mianavaratra, mianatsimo, miatsinanana, ary miakandrefana. 15 Ireo tany rehetra izay hitanao, dia homeko anao sy ireo taranakao mandrakizay. 16 Hataoko maro toy ny vovoky ny tany ireo taranakao, ka amin'izay raha misy lehilahy iray afaka manisa ny vovoky ny tany, dia afaka isaina ihany koa ireo taranakao. 17 Mitsangàna, ary mandehana mamakivaky ny halava sy ny sakan'ny tany, fa homeko anao izany." 18 Dia nangorona ny lainy Abrama, ary nandeha ka nipetraka teo akaikin'ny hazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanamboatra alitara ho an'i Yaveh tany.
"nandao" na "niainga avy tany"
Negeva dia tany hay any amin'ny faritra atsimon'i Kanana, andrefan'i Egypta. Afaka hazavaina izany. DH: "niverina ho any amin'ny tany hain'i Negeva"
"nanana biby, sy volafotsy ary volamena maro tokoa i Abrama"
"biby fiompy"
Nizotra antanan-tohatra ny dian'i Abrahama sy ny havany, nandeha tamin'ny toerana iray ho amin'ny toerana iray hafa. Afaka hazavaina izany. DH: "Nanohy ny diany izy ireo"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Jereo ny Genesisy 12:8." Ny fotoana nandehanany dia azo azavaina. DH: "ho any amin'ny toerana izay nanorenany ny lainy mialohan'ny nandehanany tany Egypta"
"nivavaka tamin'ny anaran'i Yaveh" na "nidera an'i Yaveh." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 12:8.
Izany teny izany dia nampiasaina mba hanehoana fa izay manaraka eo dia fampahafantarana fototra hanampy ny mpamaky hahatakatra ny tranga izay manaraka eto.
Tsy ampy ho an'ny bibin'izy ireo rehetra ny tany firahofana sy ny rano.
Ao anatin'izany ny biby fiompy, izay mila ahitra sy rano.
"tsy afaka niara-niaina"
Antony hafa izay tsy nahafahan'ny tany mahazaka azy rehetra ireo ihany koa izany.
"Aoka tsy hiady"
"fifanoherana" na "ady" na "ady hevitra (mifanditra)"
"ary ndeha hanatsahatra ny fifandiran'ireo lehilahy izay mikarakara ny biby fiompitsika"
"satria mpianakavy isika"
"havana akaiky" na "havana". Zanakin'ny mpiray tampo amin'i Abrama i Lota.
Azo adika ho fanambarana tsara izany fanontaniana fampisainana izany. DH: "Afaka ampiasainao ny tany manontolo."
Niresaka am-pitiavana tamin'i Lota i Abrama ary namporisika azy hanao zavatra izay hanampy azy roa tonta. "Aoka hisaraka."
ireo mety ho heviny dia 1) "raha mandeha amin'ny lalana iray ianao dia handeha amin'ny iray hafa aho" na 2)"raha mianavaratra ianao, dia handeha mianatsimo aho." Navelan'i Abrama nisafidy ny ampahany amin'ny tany izay tiany i Lota, ary haka izay sisa tavela i Abrama.
Ilazana ny ny faritra ny onin'i Jordana amin'ny ankapobeny izany.
"nanana rano betsaka" na "be rano"
"tahaka ny sahan'i Yaveh na tahaka ny tanin'i Egypta." Toerana roa samy hafa izany.
Anarana hafa ilazana ny saha Edena izany.
Ampiasao ny teny mitovin'ny hoe: "saha" araka izay nampiasainao ao amin'ny 2:7.
Mialoha zavatra izay hitranga atsy ho atsy izany. Manan-danja tokoa izany eto noho izy manazava ny antony nanorenan'i Lota fonenana tany amin'ny faritra izay tsy namokatra intsony taty aoriana.
" ireo havana akaiky" na " ireo havana". Ilazana an'i Lota sy Abrama miaraka amin'ireo ankohonany izany.
"nanorim-ponenana" na "nitoetra"
"tany amin'ny tanin'ireo Kananita"
ireo mety ho heviny dia 1)"Nanorina ny lainy manakaiky an'i Sodoma izy" (UDB) na 2)"Namindra ny lainy manodidina amin'ny toerana izay mahazo ny lalana rehetra mankany Sodoma izy."
"rehefa nandao an'i Abrama i Lota"
"mandehana manodidina ny tany manontolo"
Anaran'ilay lehilahy izay tompon'ireo hazo terebinta izany.
anaran-toerana
"alitara hiderana an'i Yaveh"
1 Ary tamin'ny andron'i Amrafela, mpanjakan'i Sinara, sy Arioka, mpanjakan'i Elasara, sy Kedorlaomera mpanjakan'i Elama ary Tidala mpanjakan'i Goima, 2 dia nanao ady izy ireo hanoherana an' i Bera, mpanjakan'i Sodoma sy Birsa mpanjakan'i Gomora sy Sinaba mpanjakan'i Adma, sy Semebera, mpanjakan'i Zeboima, ary ny mpanjakan'i Bela (nantsoina koa hoe: Zoara). 3 Ireto mpanjaka dimy farany dia nifampitaona niaraka tao andohasahan'i Sidima (nantsoina ihany koa hoe: ranomasin-tsira). 4 Roa ambin'ny folo taona no nanompoan'izy ireo an'i Kedorlaomera, saingy tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo dia nikomy kosa izy ireo. 5 Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo, dia tonga i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy ary nanafika an'i Refaita tao Astarta-Kamaima, Zozima tany Hama, Emima tao Save-kiriataima, 6 ary ny Horita tao an-tendrombohitr'i Seira, hatrany Elparana, izay akaikin'ny tany efitra. 7 Avy eo dia niverina izy ireo ary tonga tany Ena-mispata (nantsoina koa hoe: Kadesy), ary nandresy ireo firenen'ny Amalekita, sy ireo Amorita izay nonina tany Hazazon-tamara ihany koa. 8 Avy eo ny mpanjakan'i Sodoma, ny mpanjakan'i Gomora, mpanjakan'i Adma, mpanjakan'i Zeboima ary ny mpanjakan'i Bela (nantsoina koa hoe: Zoara) dia nivoaka ary niomana 9 ho amin'ny ady hanoherana ireo Kedorlaomera, mpanjakan'i Elama, Tidala, mpanjakan'i Goima, Amrafela, mpanjakan'i Sinara, Arioka, mpanjakan'i Elasara; mpanjaka efatra nanohitra ireo dimy. 10 Ary ny lohasahan'i Sidima dia feno lavaka misy ditin-tany, ary rehefa nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora, dia nilatsaka tao izy ireo. Ary ireo izay tavela dia nandositra tany amin'ireo tendrombohitra. 11 Ka nalain'ny fahavalo ireo haren'i Sodoma sy Gomora rehetra sy ireo tahiry rehetra, ary dia lasa nandeha tamin'ny lalan'izy ireo. 12 Ary rehefa nandeha izy ireo, dia nentiny koa i Lota, zana-drahalahin'i Abrahama, izay nipetraka tao Sodoma, niaraka tamin'ny fananany rehetra. 13 Ilay iray izay afa-nandositra dia tonga ary nilaza tamin'i Abrama ilay Hebreo. Izy dia nonina tao amin'ny hazo terebintan'i Mamre, Amorita, izay rahalahin'i Eskola sy Anera; izy rehetra ireo izay mpiandany amin'i Abrama. 14 Ary rehefa ren'i Abrama fa voasambotr'ireo fahavalo ny havany, dia notarihiny ireo lehilahiny 318 voahofana izay teraka tao an-tranony, ka nanaraka azy ireo hatrany Dana. 15 Nozarainy ny alina ireo lehilahiny hanohitra azy ireo ary nanafika azy ireo, sy nanenjika azy ireo hatrany Hoba, izay ao avaratr'i Damaskosy. 16 Avy eo dia nampodiny ireo fananana rehetra, ary nampody an'i Lota havany sy ireo zava-tsoany ihany koa, mbamin'ireo vehivavy sy ny vahoaka hafa. 17 Ary rehefa niverina avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy i Abrama, dia nivoaka mba hihaona aminy tao an-dohasaha Save ilay mpanjakan'i Sodoma (Nantsoina ihany koa hoe: lohasahan'ny mpanjaka). 18 Nitondra mofo sy divay i Melkizedeka, mpanjakan'i Salema. Mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra izy. 19 Nitso-drano azy izy manao hoe: "Ho tahian'Andriamanitra Avo Indrindra, Mpahary ny lanitra sy ny tany anie Abrama. 20 Isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, izay nanolotra ireo fahavalonao teo an-tananao." Avy eo dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zava-drehetra. 21 Hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama hoe: "Omeo ahy ny olona, ary ento ho anao ireo fananana." 22 Hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma hoe: "Izaho dia efa nanangana ny tanako tamin'i Yaveh, Ilay Andriamanitra Avo indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany, 23 fa tsy handray singa taretra, fehin-kapa iray, na zavatra hafa izay anao aho, mba tsy hahafahanao milaza hoe: 'Izaho no nampanankarena an'i Abrama.' 24 Tsy haka na inona na inona afa-tsy izay efa nohanin'ireo zatovo sy ny anjaran'ireo lehilahy izay niaraka tamiko aho. Aoka ho raisin'i Anera sy Eskola ary Mamre ny anjaran'izy ireo."
Ireo toerana ao amin'ny 14:1 dia tanàna mahaleo tena avokoa.
Nampiasaina mba hanamarika ny fizaran-tantara vaovao izany andian-teny izany. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia tokony hihevitra ny hampiasa izany ianao eto.
"Tamin'ny fotoanan'i"
"nandeha niady izy ireo" na "nanomboka ady izy ireo" na "niomana ho amin'ny ady izy ireo"
Ny fampahafantarana fa ireo tafika dia miaraka amin'izy ireo dia azo atao mazava. DH: "Ireto mpanjaka dimy farany sy ireo tafiny dia nifampitaona niaraka"
Ny tranga ao amin'ny andininy 4-7 dia niseho talohan'ny andininy 3. Ny fiteninao dia mety hanana fomba fanehoana izany.
mety tsy maintsy nandoa hetra sy nanao fanompoana tao amin'ny tafiny tokoa izy ireo. DH: "teo ambany fifehezan'i Kedorlaomera izy ireo"
"nandà ny hanompo azy izy ireo" na "nitsahatra ny nanompo azy izy ireo"
Nanao izany izy ireo satria nikomy ireo mpanjaka hafa.
Anarana vondron'olona ireo.
Anaran-toerana ireo.
Izany andian-teny izany dia manampy ny mpamaky hahatakatra izay misy an'i Elparana. Azo adika amin'ny fehezanteny misaraka izany raha ilaina. DH: " Elparana. Elparana dia akaikin'ny efitra"
Ny andininy 8 sy 9 dia mamerina izay voalaza ao amin'ny 14:3 ary manohy mitantara izay nitranga raha avy hiaraka hiady ireo mpanjaka.
Ny teny hoe: "izy ireo" dia ilazana ireo mpanjaka efatra avy any ivelany izay nanafika ny faritry Kanana. Ny anaran'izy ireo dia Amrafela, Arioka, Kedorlaomera, sy Tidala. DH: "niverina izy ireo ary lasa"
Izany andian-teny izany dia milaza ny toerana izay naharesy ny olona Amorita. Izy ireo dia olona Amorita izay nonina tany amin'ireo toerana hafa.
Nantsoina hoe: Zoara ihany koa ny tanàn'i Bela. Izany fampahafantarana izany dia azo apetraka any amin'ny faran'ny fehezanteny. "ary nivoaka ny mpanjakan'i Bela ary nanomana ady. Nantsoina hoe Zoara ihany koa i Bela."
"nanatevin-daharana ny ady" na "nandahatra miaramila mitandavana." Ireo mpandika teny sasany dia mety mila manampy ihany koa hoe: niady ireo tafika, toy ny nataon'ny UDB ao amin'ny andininy 9.
Koa satria notanisaina mialoha ireo mpanjaka dimy, ny fiteny sasany mety hisafidy ny handika an'izany hoe" mpanjaka dimy nanohitra ireo efatra."
Izany teny izany dia mampiditra ny fampahafantarana fototra mahakasika ny lohasahan'i Sidima. Ny fiteninao dia mety manana fomba fampidirana ny fampahafantarana fototra.
"betsaka lavaka misy ditin-tany." Lavaka amin'ny tany izay misy ditin-tany izany.
zavatra matevina, miraikitra, ranon-javatra mainty izay avy amin'ny tany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 11:3.
Sarinteny ilazana ireo mpanjaka sy ny tafiny izany. DH: ireo mpanjakan'ny Sodoma sy Gomora sy ireo tafiny"
ireo mety ho heviny dia 1) ny sasany tamin'ireo miaramilany dia nilatsaka tao anaty lavaka misy ditin-tany na 2) ireo mpanjaka mihintsy no nilatsaka tao anaty lavaka misy ditin-tany. Koa satria ny 14:17 nilaza fa nandeha hihaona amin'i Abrama ny mpanjakan'ny Sodoma, ny hevitra voalohany no mety ho marina kokoa.
"ireo izay tsy maty tamin'ny ady sy tsy nilatsaka tao anaty lavaka misy ditin-tany"
Izany dia ilazana an'i Kedorlaomera mpanjaka sy ireo mpanjaka hafa ary ireo tafiny izay niaraka taminy raha nanafika an'i Sodoma sy Gomora.
Ny teny hoe: "Sodoma" sy "Gomora" dia sarinteny ilazana ny olona izay mipetraka ao amin'ireo tanàna ireo. DH: "ny haren'ny olon'ny Sodoma sy Gomora" na "ny fananan'ny olon'ny Sodoma sy Gomora"
" ny sakafo sy ranon'izy ireo"
lasa nandeha izy ireo
Ny andian-teny "zana-drahalahin'i Abrahama" sy "izay nipetraka tao Sodoma" dia mampahatsiaro ny mpamaky ny zavatra izay voasoratra teo aloha mahakasika an'i Lota. DH: "nalain'izy ireo ihany koa i Lota, niaraka tamin'ny fananany rehetra. Zana-drahalahin'i Abrahama i Lota izay nipetraka tao Sodoma tamin'izany fotoana izany"
"lehilahy izay nandositra tamin'ny ady ka tonga"
"Abrama dia nonina." Mampiditra fampahafantarana fototra izany.
"nanao fifanekem-piara-miasa tamin'i Abrama" na "vita fanekem-pihavanana tamin'i Abrama"
Entina ilazana an'i Lota zana-drahalahin'i Abrahama izany.
"lehilahiny izay voahofana hiady"
"lehilahiny izay teraka tao an-tokatranon'i Abrama." Zanak'ireo mpanompon'i Abrama izy ireo.
"nanenjika azy ireo"
Tanàna farany lavitra avaratr'iKanana izany, lavitrin'ny fitobian'i Abrama.
Mety entina ilazana paik'ady izany eto. "Nozarain'i Abrama ho andiany maro ireo lehilahy, ary nanafika ireo fahavalony avy amin'ny lalana isan-karazany izy ireo" (UDB)
Entina ilazana ireo zavatra izay nangalarin'ireo fahavalo avy amin'ny tanànan'i Sodoma sy Gomora izany.
"sy ny fanan'i Lota izay nangalarin'ireo fahavalo tamin'i Lota"
"mbamin'ireo vehivavy sy ny vahoaka hafa izay nobaboin'ireo mpanjaka efatra"
Ny fampahafantarana ambadika mahakasika ny toerana izay niverenany dia afaka hazavaina. DH: '"niverina tany amin'ny toerana izay nipetrahany"
Eto ny voalohany hanononana an'ity mpanjaka ity.
Mahazatra ny olona mihinana mofo sy divay. Jereo ny nandikanao "ny mofo" ao amin'ny 3:17 sy "ny divay" ao amin'ny 9:20.
Nitso-drano an'i Abrama i Melkizedeka mpanjaka.
Afaka atao izany hoe: DH:" Andriamanitra Avo Indrindra, mpahary ny lanitra sy ny tany, anie hitahy an'i Abrama"
Entina ilazana ny toerana izay honenan'Andriamanitra izany.
"Andriamanitra Avo Indrindra, satria nanolotra izy." Ny andian-teny miantomboka amin'ny "izay nanolotra" dia milaza misimisy kokoa amintsika ny momban'Andriamanitra Avo Indrindra.
Fomba fiderana an'Andriamanitra izany. Jereo ny nandikanao ny "isaorana anie" ao amin'ny 9:26.
"teo ambany fifehezanao" na "teo ambany herinao"
Ny andian-teny "ny olona" dia mety ilazana ny olona ao Sodoma izay voababoin'ireo fahavalo. Nanavotra azy ireo Abrama raha nanavotra an'i Lota izy.
"Efa nanao fianianana aho" na "Efa nanao voady aho."
"ny hany alaiko aminao dia izay efa nohanin'ireo zatovoko." Nandà ny handray zavatra ho azy Abrama, fa nanaiky kosa fa ireo miaramilany dia efa nihinana tamin'ireo fanampiana nandritra ny dian'ny fiverenana makany Sodoma tao aorian'ny ady.
Ny tena hevitra fenon'izany fanambarana izany dia azo azavaina. DH: "ny anjaran'ny fananana voaharo izay an'ireo lehilahy izay nanampy ahy hamerina izany"
Mpiandany amin'i Abrama izy ireo. Noho izy mpiandany amin'i Abrama dia niara-niady taminy izy ireo. Ny tena hevitra fenon'izany fanambarana izany dia afaka azavaina. DH: "ireo mpiandany amiko dia Anera, Eskola ary Mamre"
1 Tao aorian'ireo zavatra ireo dia tonga tamin'i Abrama tamin'ny fahitana ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: "Aza matahotra, ry Abrama! Izaho no ampinganao sy valisoa lehibe indrindra ho anao." 2 Hoy Abrama hoe: "Tompo Yaveh o, inona no homenao ahy, satria tsy mbola manan-janaka ihany aho, ary i Eliziera avy any Damaskosy no mpandova ny tranoko?" 3 Hoy Abrama hoe: "Satria tsy nomenao taranaka aho, dia indro, ny mpitatan-draharaha ny tranoko no mpandova ahy." 4 Avy eo, dia indro, tonga taminy ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: "Tsy ho mpandova anao izany lehilahy izany; fa izay avy amin'ny nofonao ihany kosa no ho lasa mpandova anao." 5 Dia nitondra azy nivoaka Izy, ary nanao hoe: "Jereo ny lanitra, ary isao ireo kintana, raha afaka ny hanisa ireo ianao." Avy eo niteny taminy Izy hoe: "Dia ho toy izany ireo taranakao." 6 Nino an'i Yaveh izy, ary nisainy ho fahamarinana ho azy izany. 7 Niteny taminy Izy hoe: "Izaho no Yaveh, izay nitondra anao nivoaka avy tao amin'ny Oran'ny Kaldeanina, mba hanome anao ity tany ity mba handova izany." 8 Hoy izy hoe: "Ry Tompo Yaveh, ahoana no hahafantarako fa handova izany aho?" 9 Avy eo hoy Izy taminy hoe: "Hitondrao zanak'omby vavy telo taona aho, osy vavy telo taona, ondry vavy telo taona, voromailala, ary zana-boromailala." 10 Nentiny teo aminy avokoa ireo rehetra ireo, ary nanapaka ireo ho roa, ka nametraka ny antsasany tsirairay avy nifanatrika, fa ireo vorona kosa tsy nozarainy. 11 Raha vao nidina teo ambonin'ny karakasy ireo voron'ny haza, dia noroahin'i Abrama izy ireo. 12 Ary rehefa nilentika ny masoandro, dia latsaka tao anaty tori-maso lalina i Abrama ary, indro, nisy aizina lalina sy nampihororo nandifotra azy. 13 Dia niteny tamin'i Abrama i Yaveh hoe: "Fantaro marina fa ireo taranakao dia ho vahiny amin'ny tany izay tsy azy ireo, ary ho andevozina sy ampahoriana mandritry ny efajato taona. 14 Hitsara izany firenena izay ho tompoin'izy ireo izany Aho, ary rehefa afaka izany dia hivoaka miaraka amin'ny fananana mitobaka izy ireo. 15 Fa ianao dia ho any amin'ny razambenao am-piadanana, ary halevina amin'ny fahanterana. 16 Any amin'ny taranaka faha efatra dia ho tonga eto indray izy ireo, fa ny helok'ireo Amorita dia tsy mbola nahatratra ny fetrany." 17 Rehefa nilentika ny masoandro ary maizina, dia indro, nisy vilany nivoaka setrok'afo sy fanilo nandalo teo anelanelan'ireo singany. 18 Tamin'io andro io dia nanao fanekena niaraka tamin'i Abrama i Yaveh, nanao hoe: "Homeko ho an'ny taranakao etoana ity tany ity, manomboka amin'ny reniranon'i Egypta ka hatrany amin'ny renirano lehibe, Eofrata— 19 ireo Kenita, Kenizita, Kadmonita, 20 Hetita, Perizita, Refaita, 21 Amorita, Kananita, Girgasita, ary ireo Jebosita."
"ireo zavatra ireo" dia manondro ny fotoana izay niadivan'ireo mpanjaka ka nanavotan'i Abrama an'i Lota.
Izany fomba fiteny izany dia midika fa niresaka i Yaveh. DH: "Nilaza ny hafany i Yaveh"
Eto ny "teny" dia maneho ny hafatr'i Yaveh. DH: "ny hafatr'i Yaveh"
Mampiasa izany sarinteny izany Andriamanitra mba hilazana amin'i Abrama momba ny toetrany sy ny fifandraisany amin'ny Abrama.
Ireo miaramila dia mampiasa apinga mba hiarovan'izy ireo tena amin'ireo fahavalony. DH: "Hiaro anao toy ny apinga Aho" na "Izaho no ampinga hiaro anao"
" fandoavana ny sarany." Izany dia ilazana ny fandoavana ny saran'izay mendrika ny olona. Roa ny mety ho heviny 1) Izaho dia Izaho ihany no ilainao" na 2)" hanome izay rehetra ilainao aho."
"Nanohy niresaka i Abrama ary niteny hoe: 'Satria tsy nomenao ...
Ny teny "indro" dia manasongadina fa ny tenin'i Yaveh dia tonga tamin'i Abrama indray.
Midika izany fomba fiteny izany fa niteny Andriamanitra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 15:1. DH: "Nilaza ny hafany i Yaveh"
Eto ny "teny" dia maneho ny hafatr'i Yaveh. DH: "ny hafatr'i Yaveh"
Ilazana an'i Eliezera avy any Damaskosy izany.
"izay naterakao" na "zanakao lahy mihintsy." Ny tena zanak'i Abrama no ho mpandova azy.
"atambaro ny isan'ireo kintana"
Midika izany fa nanaiky ary nahatoky fa marina izay nolazain'i Yaveh.
"nisain'i Yaveh ho fahamarinana ny finoan'i Abrama" na "nahita an'i Abrama ho marina i Yaveh satria Abrama nino Azy"
Nampahatsiaro an'i Abrama izay efa nataony i Yaveh mba halalan'i Abrama fa Yaveh manana fahefana hanome izay nampanantenainy an'i Abrama.
"mba hahazo izany" na "mba ho fanananao izany"
Nangataka porofo misimisy kokoa ny amin'ny hanomezan'i Yaveh azy ny tany i Abrama.
"fatim-biby na fatim-borona"
"nandroka ireo vorona Abrama." Nanao izay hahazoana antoka izy fa tsy nihinana ireo fatim-biby ireo vorona.
Fomba fiteny izany. DH: "rendrikin'ny torimaso Abrama"
"haizin-kitroka izay nampitahotra azy fatratra"
"nanodidina azy"
"mpiavy" na "vahiny"
Afaka atao izany hoe: DH: "ary ireo tompon-tany hanandevo sy hampahory ireo taranakao"
Nanohy niresaka tamin'i Abrama i Yaveh nandritra an'i Abrama nanofy.
Eto ny "mitsara" dia sarinteny ilazana izay hitranga ao aorian'ny hanaovan'Andriamanitra ny fitsarana. DH: "hanasazy Aho"
Ny tena dikan'izany fanambarana izany dia azo hazavaina. DH: "izay ho tompoin'ireo taranakao"
Fomba fiteny izany. DH: "fananana be dia be" na "harem-be"
Fomba mihaja ilazana ny hoe: "ho faty ianao."
Ny teny hoe "razambe" dia fibangoan-teny ilazana ny razana rehetra. DH: "razambe"
"Tena ho antitra tokoa ianao vao ho faty ary ireo havanao dia handevina ny fatinao"
Eto ny taranaka iray dia ilazana ny faharetan'ny 100 taona. "Ao aorian'ny efajato taona"
"hiverina eto ireo taranakao." Ho avy any amin'ny tany izay nipetrahan'i Abrama ireo taranak'i Abrama, ny tany izay nampanantenain'i Yaveh homena azy.
"mbola tsy vita" na "mbola hitombo haratsiana mialohan'ny hanasaziko azy ireo"
Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika hitandrina tsara ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka.
Nanao izany Andriamanitra mba hanehoana amin'i Abrama fa manao fanekena aminy Izy.
"nandalo teo anelanelan'ireo andalana roan'ireo vongan'ny biby"
Amin'izany fanekena izany no hampanantenain' Andriamanitra hitahiana an'i Abrama, ary mbola hanohy ny hitahy azy Izy raha mbola manaraka Azy i Abrama.
Amin'izany fitenenana izany, no nanomezan'Andriamanitra ny tany ho an'ireo taranak'i Abrama. Ho hataon'Andriamanitra ihany izany, kanefa ireo taranaka dia tsy handeha any amin'ilay tany raha tsy afaka taona maro aty aoriana.
"ny renirano midadasika, ilay Eofrata." Fomba roa ilazana ny renirano iray ihany izany.
Anaram-bondron'olona izay nonina teo amin'izany tany izany ireo. Avelan'Andriamanitra handresy ireo olona ireo ka haka ny taniny ireo taranak'i Abrama.
1 Ary Saray, vadin'i Abrama, dia tsy mba niteraka zaza ho azy, saingy nanana mpanompo vavy iray izy, izay Egyptiana, antsoina hoe Hagara. 2 Koa hoy Saray tamin'i Abrama hoe: "Indro, tsy namela ahy hanan-janaka Yaveh. Mandehana mandry miaraka amin'ny mpanompo vaviko. Izany angamba no mety hahazoako zanaka avy aminy." Nihaino ny feon'i Saray i Abrama. 3 Folo taona taorian'ny nonenan'i Abrama tao an-tany Kanàna no nanomezan'i Saray, vadin'i Abrama, an'i Hagara mpanompo vaviny Egyptiana, ho vadin'ny vadiny. 4 Koa niray tamin'i Hagara izy, ary nitoe-jaza. Rehefa hitany fa nitoe-jaza izy, dia nijery ny tompo vaviny tamin'ny fanamavoana. 5 Ary hoy Saray tamin'i Abrama hoe: "Noho ny aminao ihany izao ratsy mihatra amiko izao. Nomeko ho eo an-tratranao ny mpanompo vaviko, ary rehefa hitany fa nitoe-jaza izy, dia namavoina teo imasony aho. Aoka Yaveh no hitsara ahy sy ianao." 6 Fa hoy Abrama tamin'i Saray hoe: "Indro, eo amin'ny fahefanao ny mpanompo vavinao, ataovy aminy izay heverinao ho mety indrindra." Koa dia nanao fitondrana mafy taminy i Saray, ka nandositra azy. 7 Nahita azy teo akaikin'ny loharano iray tany an-tany hay ilay anjelin'i Yaveh, ilay loharano teny an-dalana nankany Sora. 8 Hoy izy hoe: "Ry Hagara, mpanompon'i Saray, avy aiza ianao ary handeha ho aiza?" Ary hoy izy hoe: "Mandositra an'i Saray tompoko vavy aho." 9 Ny anjelin'i Yaveh niteny taminy hoe: "Miverena any amin'ny tompo vavinao, ary mihareta amin'ny fahefany." 10 Ary hoy ilay anjelin'i Yaveh taminy hoe: "Hampitombo isa ny taranakao tokoa Aho, hany ka tsy ho tambo isaina izy ireo." 11 Hoy ihany koa ilay anjelin'i Yaveh taminy hoe: "Indro, mitoe-jaza ianao, ary hiteraka zaza lahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Ismaela, satria nandre ny fahorianao Yaveh. 12 Ho borikidian'ny olona izy. Handrafy ny olona rehetra izy, ary ny olona rehetra hirafy aminy, ary honina lavitra ny rahalahiny rehetra izy. 13 Ary nomeny an'i Yaveh izay niresaka taminy izao anarana izao: "Ianao no Andriamanitra izay mahita ahy," fa hoy izy hoe: "Mbola mahita ihany tokoa ve aho, na dia taorian'ny nahitany ahy aza?" 14 Noho izany dia nantsoina hoe Bera-lahai-roy ilay fantsakana; indro, eo anelanelan'i Kadesa sy Bereda izany. 15 Niteraka ny zanaka lahin'i Abrama i Hagara, ary nomen'i Abrama anarana hoe Ismaela ny zanany, izay naterak'i Hagara. 16 Enina amby valopolo taona i Abrama tamin'ny niterahan'i Hagara an'Ismaela ho zanany.
Amin'ny teny Anglisy dia ampiasaina izany teny izany mba hampidirana fizaran-tantara vaovao sy fampahafantarana fototra mahakasika an'i Saray.
"andevo vavy." Izany karazana andevo izany dia hanampy ny vehivavy amin'ny tokantrano.
"amin'ny fiterahana zaza"
"avy aminy no hanorenako ny ankohonako"
"Nanao izay nolazain'i Saray Abrama"
"nanao tsinontsinona ny tompo vaviny" na "nihevitra izy fa sarobidy kokoa nohon'ny tompo vaviny"
Eto izany dia ilazana an'i Saray. Ny tompo vavy dia manana fahefana amin'ny andevony. DH: "ny tompony" na "Saray"
"izao tsy rariny mihatra amiko izao"
"andraikitrao izao" na "fahadisoanao izao"
Nampiasa ny teny hoe: "an-tratra" i Saray eto mba ilazana ny nandriany taminy. DH: "Nomeko ny mpanompo vaviko mba handrianao"
Azo atao izany hoe: DH: "nankahala ahy izy" na "nanomboka nankahala ahy izy" na "nihevitra izy fa tsara kokoa noho izaho"
"Tiako Yaveh no ilaza raha adisoako izany na anao" na "Tiako Yaveh no hanapa-kevitra ny amin'izay marina amintsika." Ny dikan'ny andian-teny "hitsara eo..." dia manapa-kevitra ny amin'izay marina eo amin'ny fifandirana eo amin'izy ireo.
"Mihainoa ahy" na "henoy izao"
"eo ambanin'ny fahefanao"
"nampahorian'i Saray mafy i Hagara"
"ary Hagara nandositra an'i Saray"
ireo mety ho heviny dia 1) naka endrika anjely i Yaveh na 2)iray amin'ireo anjelin'i Yaveh izany na 3)mpitondra hafatr'i Yaveh manokana (ireo manam-pahaizana sasany mihevitra fa i Jesoa izany). Koa satria tsy dia mazava loatra ny andian-teny, ny tena tsara dia ny mandika izany tsotra hoe: "ny anjelin'i Yaveh" mampiasa ny teny tsotra izay ampiasainao ho an'ny "anjely."
Ny tany hay izay nalehany dia tany an-tany efitra. DH: "efitra"
Izany no anaran'ilay tanàna atsimon'i Kanana sy atsinanan'i Egypta.
Eto izany dia ilazana an'i Saray. Ny tompo vavy dia manana fahefana amin'ny andevony. DH: "ny tompoko." Jereo ny nandikanao ny "ny tompony" ao amin'ny 16:1.
"Ny anjelin'i Yaveh niteny tamin'i Hagara"
Jereo ny fanamarihana ambany pejin'ity andian-teny ity ao amin'ny 16:7
Saray. Jereo ny nandikana ny "ny tompo vaviny" ao amin'ny 16:1.
Raha niteny izy hoe "Izaho", dia ilazany an'i Yaveh. Rehefa mandika izay ao anaty farango sosona, dia ataovy toy izay nataon'ilay anjelin'i Yaveh ary ampiasao ny teny hoe: "Izaho" rehefa hilaza an'i Yaveh.
"hanome taranaka maro ho anao Aho"
"maro tokoa ka tsy hisy afaka hanisa azy ireo"
Jereo ny fanamarihana ambany pejin'ity andian-teny ity ao amin'ny 16:7
"Mihainoa" na "henoy izao"
"hiteraka zaza lahy"
"antsoinao hoe." Ny teny hoe "ianao" dia ilazana an'i Hagara.
Ireo mpandika teny dia mety hanampy fanamarihana ambany pejy izay milaza hoe: "Ny anarana hoe Ismaela dia midika hoe' nihaino an'Andriamanitra.'"
Nampahoriana tamin'ny fahoriana sy ny nampilajiana.
Tsy fitenenan-dratsy izany. Ny mety ho heviny dia ho lasa mahaleo tena i Ismaela ary hatanjaka tahaka ny boriky dia. DH: "Ho tahaka ny boriky dia eo amin'ireo olona izy"
"Ho fahavalon'ny olona rehetra izy"
"ho fahavalony ny olona rehetra"
Mety hidika koa izany hoe: "hiaina amin'ny fandrafiana izy."
"havana" na "fianakaviana"
"Yaveh, satria niresaka taminy izy"
Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Hagara mba hanehoana fa nitolagaga izy raha mbola velona tao aorian'ny nahitany an'Andriamanitra. Nampoizin'ny olona ny fahafatesana, raha mahita an'Andriamanitra izy ireo. DH: "Gaga aho hoe mbola velona aho, ...ahy."
Ireo mpandika teny dia mety afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "ny dikan'ny Bera-lahai-roy dia' fatsakan'ilay velona izay mahita ahy.'"
Ny teny hoe "indro" eto dia natao hisintomana ny fifantohana ny amin'ny zaza-misy fa ny fatsakana dia teo amin'ny toerana izay fantatrin'ny mpanoratra sy ny mpamaky. DH: "izany hoe teo anelanelan'i Kadesa sy Bereda izany"
Ny fiverenan'i Hagara tany amin'ny Saray sy Abrama dia tsy mazava loatra. Azonao atao mazava kokoa izany. DH: "Koa dia niverina i Hagara ary teraka"
"nanome anarana ny zanany lahy avy tamin'i Hagara" na "nanome anarana ny zanak'izy sy Hagara"
Izany dia mampiditra fampahafantarana fototra mahakasika ny taonan'i Abrama raha nitranga ireo zavatra ireo. Ny fiteninao dia mety hanana fomba manamarika manokana ny fampahafantarana fototra.
Midika izany hoe: "niteraka an'i Ismaela, zanaka lahin'i Abrama." Ny tiana tsindrina dia ny fanana'i Abrama zanaka lahy.
1 Tamin'i Abrama sivy amby sivifolo taona, dia niseho taminy Yaveh ary niteny taminy hoe: "Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mandehana eo anoloako, ary aoka tsy hisy tsiny. 2 Dia hanamafy ny fanekeko teo Amiko sy ianao Aho, ary hanamaro anao fatratra." 3 Niankohoka tamin'ny tany Abrama ary niteny taminy Andriamanitra, nanao hoe: 4 "Raha ny Amiko, dia indro, aminao ny fanekeko. Ho rain'ny firenena maro ianao. 5 Tsy ho Abrama intsony ny anaranao, fa hatao hoe Abrahama—satria manendry anao ho rain'ny firenena maro Aho. 6 Hahamaro anao fatrara Aho, ary hataoko firenena maro ianao, ary hisy mpanjaka ho avy aminao. 7 Haoriko ny fanekeko eo Amiko sy aminao ary ny taranaka aorianao, amin'ireo taranaka faramandimbin'izy ireo ho fanekena tsy manam-pahataperana, mba ho Andriamanitrao sy ho an'ireo taranaka mandimby anao Aho. 8 Homeko anao, sy ireo taranaka mandimby anao, ny tany nipetrahanao, dia ny tany Kanàna rehetra, ho fananana mandrakizay, ary Izaho ho Andriamanitr'izy ireo." 9 Avy eo Andriamanitra niteny tamin'i Abrahama hoe: "Raha ny aminao, dia tsy maintsy mitandrina ny fanekeko, ianao sy ny taranakao aorianao hatramin'ny taranaka faramandimbin'izy ireo. 10 Izao no fanekeko, izay tsy maintsy tandremanao, eo Amiko sy aminao ary ny taranaka aorianao: Tsy maintsy foraina ny lehilahy rehetra eo aminareo. 11 Tsy maintsy foraina ny nofon'ny loha tsitsinareo, ka izany no famantarana ny fanekena eo Amiko sy aminao. 12 Ny zazalahy valo andro rehetra eo aminao, hatramin'ny taranak'ireo olonao dia tsy maintsy foraina. Anisan'izany izay teraka avy tao amin'ny ankohonanao sy izay novidiana vola avy tamin'ny vahiny izay tsy iray amin'ireo taranakao. 13 Tsy maintsy foraina avokoa izay teraka avy tao amin'ny ankohonanao sy izay novidiana tamin'ny volanao. Amin'izany ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo mba ho fanekena mandrakizay. 14 Na iza na iza lehilahy tsy mifora izay tsy noforaina ny nofon'ny loha tsitsiny dia hesorina amin'ny vahoakany. Nandika ny fanekeko izy." 15 Ary Andriamanitra niteny tamin'i Abrahama hoe: "Raha ny amin'i Saray vadinao, dia aza antsoina hoe Saray intsony izy. Fa kosa, Saraha no ho anarany. 16 Hitahy azy Aho, ary homeko zanaka lahy avy aminy ianao. Hitahy azy Aho, ary ho renin'ny firenena maro izy. Avy aminy ireo mpanjakan'ny olona." 17 Avy eo niankohoka tamin'ny tany Abrahama, ary nihomehy, ka niteny tao am-pony hoe: "Moa mbola hisy zaza afaka hateraka ho an'ny lehilahy izay efa zato taona ve? Ahoana no hahafahan'i Saraha, izay efa sivifolo taona, hitondra vohoka?" 18 Hoy Abrahama tamin'Andriamanitra hoe: "Enga anie Ismaela mba ho velona eo anatrehanao!" 19 Hoy Andriamanitra hoe: "Tsia, fa Saraha vadinao dia hanome zanaka lahy ho anao, ary tsy maintsy ataonao hoe Isaka ny anarany. Haoriko aminy ho fanekena mandrakizay miaraka amin'ireo taranaka faramandimbiny ny fanekeko. 20 Raha ny amin'Ismaela, dia efa reko ianao. Indro, mitso-drano azy Aho, ary hampamokatra azy, sy hampitombo azy fatratra. Ho rain'ireo mpitarika ny foko roa ambin'ny folo izy, ary hataoko tonga firenena lehibe. 21 Fa ny fanekeko dia haoriko amin'Isaka, izay haterak'i Saraha ho anao amin'ny fotoana toy izao amin'ny taona manaraka." 22 Rehefa avy niresaka taminy Izy, dia niakatra niala avy teo amin'i Abrahama Andriamanitr. 23 Avy eo Abrahama naka an'Ismaela zanany lahy, sy ireo rehetra tao amin'ny ankohonany, ary ireo rehetra novidiany vola, ny lehilahy rehetra tao amin'ny tokantranon'i Abrahama, ka namora ny nofon'izy ireo tamin'io andro io, araka ny nolazain'Andriamanitra taminy. 24 Sivy amby sivifolo taona Abrahama tamin'izy noforaina ny lohantsitsiny. 25 Telo ambin'ny folo taona Ismaela tamin'izy noforaina tamin'ny nofo. 26 Tamin'io andro io dia samy voafora Abrahama sy Ismaela zanany. 27 Noforaina niaraka taminy ireo lehilahy rehetra tao an-tokantranony, anisan'izany ireo teraka avy tao amin'ny tokantranony sy ireo novidiana vola avy tamin'ny vahiny.
sivy taona - Izany andian-teny izany dia nampiasaina eto hanamarihana ny fiandohan'ny fizaran-tantara vaovao. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia afaka mihevitra ny hampiasa izany eto ianao.
"ilay Andriamanitra mahery indrindra" na "ilay Andriamanitra izay manana ny hery rehetra"
Ny "mandeha" dia sarinteny ilazana ny miaina, ary ny "eo anoloako" na "eo amin'ny fanatrehako" eto dia sarinteny ilazana ny fankatoavana. DH: "Hiaino ny fomba izay tiako hataonao" na "ankatoavy aho"
"Raha manao izany ianao, dia ho hamafisiko"
"hanome ny fanekeko Aho" na "hanao ny fanekeko Aho"
Amin'izany fanekena izany Andriamanitra no mampanantena fa hitahy an'i Abrama, fa mitaky ny fankatoavan'i Abrama Azy koa Izy.
"hambitombo fatratra ny isan'ireo taranakao" na "hanome taranaka maro ho anao"
"nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany ambany i Abrama" na "nampiankohoka faingana ny tavany ambany tamin'ny tany." Nanao izany izy mba hanehoana fa manaja an'Andriamanitra sy hankatoa Azy izy.
Mampiasa izany andian-teny izany Andriamanitra mba hampidirana izay hataony amin'i Abrama ao anatin'izany ny fanekeny amin'i Abrama.
Ny teny hoe: "indro" eto dia toa milaza fa izay ho avy manaraka dia azo antoka: "azo antoka fa aminao tokoa ny fanekeko."
"rain'ny firenena tsy tambo isaina" na "ilay iray izay avy aminy no nampitondraina ny anaran'ireo firenena maro"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: Ny anarana hoe: "Abrama" dia midika hoe: "ray misandratra" ary ny anarana "Abrahama" dia mitovy fanonona amin'ny "rain'ny tsy tambo isaina."
"hahatonga ireo taranakao ho maro tokoa Aho"
"hataoko ho tonga firenena maro ireo taranakao"
"hisy mpanjaka amin'ireo taranakao" na "ny sasany amin'ireo taranakao dia ho mpanjaka"
Manohy miresaka amin'i Abrahama Andriamanitra.
"ho an'ny taranaka tsirairay"
"ho fanekena izay haharitra mandrakizay"
"ho Andriamanitrao sy ho Andriamanitr'ireo taranakao" na "fanekena"
"Kanana, ho toy ny fananana mandrakizay" na "Kanana, ho fananana maharitra mandrakizay"
Mampiasa izany andian-teny izany Andriamanitra mba hampidirana izay tokony hataon'i Abrama amin'ny maha tafiditra azy amin'ny faneken'Andriamanitra.
"diniho ny fanekeko" na "omeo voninahitra ny fanekeko" na "ankatoavy ny fanekeko"
"Izao no takian'ny fanekeko" na "anisan'ny fanekeko izao." Izany andian-teny izany dia mampiditra ny fizarana momba ny fanekena izay tsy maintsy hataon'i Abrama.
Afaka atao izany hoe: DH: "tsy maintsy foranao ny lehilahy rehetra eo aminareo"
Ilazana ny olombelona lahy izany.
Ny fiarahamonina sasany mety hisafidy fomba filaza tsy dia manome fanoritsoritana toy ny hoe: '"tsy maintsy foraina ianao." Raha efa mahalaza ny teny hoe "loha-tsisy" ny nandikanao ny hoe "voafora", dia tsy mila mamerina izany ianao. Afaka atao izany hoe: DH: "tsy maintsy foranao ny lehilahy rehetra eo aminao"
"ny famantarana izay maneho fa misy tokoa ny fanekena"
Ireo mety ho heviny dia 1)"ilay famantarana" na 2) "famantarana." Ny voalohany dia midika fa iray ihany ny famantarana, ary ilay faharoa kosa midika fa nisy famantarana mihoatra ny iray. Eto ny teny "famantarana" dia midika ho fampatsiahivana ny zavatra izay nampanantenain'Andriamanitra.
Manohy miresaka amin'i Abrahama Andriamanitra.
"ny olombelona lahy rehetra"
"amin'ny taranaka rehetra"
Ilazana ireo andevo izany. Afaka atao izany hoe: DH: "izay lehilahy vidinao"
Afaka atao izany hoe: DH: "hanisy marika ny fanekeko amin'ny nofonareo ianareo"
"tahaka ny fanekena maharitra." Satria voamarika amin'ny nofo izany, dia tsy hisy afaka hamafa izany mora foana.
Azonao atao ny manala teny izay mety hiteraka hevi-diso ny fisiany amin'ny fiteninao: afaka atao izany hoe: DH "lehilahy izay tsy nifora"
ireo mety ho heviny dia 1) "Hesoriko izay lehilahy tsy mifora ... loha tsitsy ... avy amin'ny vahoakany" na 2) "Tiako ny hanesoranao izay lehilahy tsy mifora ... loha tsitsy ... avy amin'ny vahoakany."
ireo mety ho heviny dia 1) "novonoina" na 2) "noroasina hiala amin'ny fiarahamonina."
"Tsy nankato ny lalan'ny fanekeko izy." Izany no antony hanesorana azy amin'ny vahoakany.
Ny teny hoe: "Raha ny amin'i" dia mampiditra ny olona manaraka izay horesahin'Andriamanitra.
"hampitondraiko zazaka lahy ho anao izy"
"ho razamben'ny firenena maro izy" (UDB) na "ireo taranany dia ho firenena"
"Ho avy aminy ireo mpanjakan'ny olona" na "Ny sasany amin'ireotaranany dia ho mpanjakan'ny olona"
"nieritreritra anakam-po" na "niteny mangina tamin'ny tenany"
Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Abrahama satria tsy nino izy fa hiseho tokoa izany. DH: "Azo antoka tokoa fa ny lehilahy izay efa zato taona dia tsy afaka ho rain-jaza!"
Mbola mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Abrahama satria tsy nino izy fa hiseho tokoa izany. Ny andian-teny "izay efa sivifolo taona" dia manambara ny antony tsy ninoan'i Abrahama fa i Saraha dia hitondra vohoka. DH: "sivifolo taona i Saraha. Mbola afaka ny hitondra vohoka ve izy?" na "sivifolo taona i Saraha. Azo antoka tokoa fa tsy afaka hitondra vohoka!"
"Aoka mba handova ny fanekena izay nataonao tamiko i Ismaela" na "Angamba mety afaka handray ny fitahiam-panekenao i Ismaela." Nanolo-kevitra ny amin'ny zavatra izay ninoany fa hitranga marina tokoa i Abrahama.
Niteny izany Andriamanitra mba hanitsiana ny finoan'i Abrahama fa i Saraha dia tsy afaka ny hanan-janaka.
Ny teny "ianao" dia ilazana an'i Abrahama.
Ny teny hoe: "Raha ny amin'i " dia maneho fa mamarana ny resany momban'ilay zaza izay ho teraka ka ho amin'ny mahakasika an'i Ismaela Andriamanitra.
"Jereo" na "Henoy" na "tandremo izay holazaiko aminao"
Fomba fiteny izany, izay midika hoe: "hampanana zanaka maro ho azy."
"ary hampanana taranaka maro ho azy"
"ireo lehibe" na "ireo mpanapaka." Tsy ireo zanaka lahy sy zafi-lahy roa ambin'ny folon'i Jakoba izay ho mpitarika ny fokon' Israely roa ambin'ny folo akory ireo mpitarika ireo.
Miverina miresaka ny fanekeny tamin'i Abrahama Andriamanitra ary manindry fa hanatanteraka ny fampanantenany amin'i Isaka, fa tsy amin'ny Ismaela.
"Rehefa avy niresaka tamin'i Abrahama Andriamanitra"
"nandao an'i Abrahama Andriamanitra"
"ny olombelona lahy tao an-tokantranon'i Abrahama" na "ny lehilahy rehetra tao amin'ny tokantranon'i Abrahama." Ilazana ny olombelona lahy amin'ny taona rehetra izany: ireo zaza, ireo ankizy lahy, ary ireo lehilahy lehibe.
"Anisan'izany ireo teraka avy tao amin'ny tokantranony sy ireo novidiany vola avy tamin'ny vahiny"
Ilazana ireo mpanompo na ireo andevo.
Afaka atao izany hoe: DH: "ireo izay novidiany"
1 Niseho tamin'i Abrahama teo akaikin'ny hazo terebintan'ny Mamre i Yaveh, raha nipetraka teo antokanam-baravaran'ny lay tamin'ny misandratr'andro izy. 2 Niandrandra izy ary, indro, nahita lehilahy telo nitsangana teo amin'ny tandrifiny. Rehefa hitany izy ireo, dia nihazakazaka hijery azy ireo avy eo am-baravaran'ny lay izy ary niankohoka ambany tamin'ny tany. 3 Hoy izy hoe: "Tompo, raha nahita sitraka teo imasonao aho, dia aza mandalo na mandao ity mpanomponao. 4 Aoka hisy rano kely ho entina, sasao ny tongotrareo, ary mijànona eo ambany hazo. 5 Avelao aho hitondra sakafo kely, mba hahafahanareo mamelombelona ny tenanao. Rehefa afaka izany dia afaka mandeha amin'ny lalanareo ianareo, satria tonga teo amin'ny mpanomponareo ianareo." Namaly izy ireo hoe: "Ataovy toy ny noteneninao." 6 Avy eo Abrahama niditra haingana tao an-day tao amin'i Saraha, ary nanao hoe: "Faingàna, mitondrà koba tsara intelon'ny Sea, volavolay izany, ary ataovy mofo." 7 Dia nihazakazaka tany amin'ny mpiandry ondry Abrahama, ary naka zanak'omby izay malambolambo sy tsara, ary nanome izany an'ilay mpanompo, ary nikoropaka hikarakara izany izy. 8 Naka vaingan-dronono sy ronono izy, ary ilay zanak'omby izay efa voakarakara, ary nametraka ny sakafo teo anoloan'izy ireo, ary nitsangana teo akaikin'izy ireo teo ambanin'ny hazo izy raha mbola nihinana izy ireo. 9 Niteny tamin'izy ireo izy hoe: "Aiza i Saraha vadinao?" Namaly izy hoe: "Ao anaty lay ao." 10 Hoy izy hoe: "Hiverina aty aminao tokoa aho amin'ny lohataona, ary indro, hanan-janaka lahy i Saraha vadinao." Nihaino teo antokonam-baravaran'ny lay, izay tao aoriany i Saraha. 11 Ary efa antitra Abrahama sy Saraha, nandroso taona tokoa, ary efa nihoatra ny taona izay hahafahan'ny vehivavy mitondra anaka i Saraha. 12 Dia nihomehy ny tenany Saraha, nanao tamin'ny tenany hoe: "Rehefa tsy misy ilaina ahy ary ny tompoko dia antitra, hanana izany fahafinaretana izany ve aho ankehitriny?" 13 Yaveh niteny tamin'i Abrahama hoe: "Naninona no nihomehy Saraha ary niteny hoe: 'Hanan'anaka tokoa ve aho, na dia antitra aza aho?' 14 Moa misy zavatra sarotra loatra amin'i Yaveh ve? Amin'ny fotoana voatondroko, amin'ny lohataona, hiverina any aminao Aho. Amin'izany fotoana izany amin'ny taona ho avy dia hanan-janaka lahy Saraha." 15 Ary nandà izany Saraha ary nanao hoe: "Tsy nihomehy aho," satria natahotra izy. Namaly Izy hoe: "Tsia, nihomehy tokoa ianao." 16 Dia nitsangana ireo lehilahy mba handeha ary nijery tany Sodoma. Nandeha niaraka tamin'izy ireo Abrahama mba hijery azy ireo teny amin'ny lalan'izy ireo. 17 Fa hoy Yaveh hoe: "Tokony afeniko amin'i Abrahama ve izay ho ataoko, 18 satria tokoa Abrahama dia ho lasa firenena lehibe sy mahery, ary ireo firenena rehetra eto ambonin'ny tany dia ho tahiana avy aminy? 19 Fa nifidy azy Aho mba hahafahany mampianatra ireo zanany sy ny ankohonany hanaraka azy mba hitandrina ny lalàn'i Yaveh, mba hanao ny fahamarinana sy ny rariny, mba hahafahan'i Yaveh mitondra eo amin'ny i Abrahama izay nolazainy taminy." 20 Dia niteny Yaveh hoe: "Satria lehibe loatra ny fitarainana ny amin'i Sodoma sy Gomora, ary satria be loatra ny fahotan'izy ireo, 21 dia hidina any Aho izao ary hijery ny fitarainana ny aminy izay tonga tamiko, na nanao izany tokoa izy ireo. Raha tsy izany, dia ho fantatro." 22 Noho izany dia nihodina avy tao ireo lehilahy, ary nandeha nankany Sodoma, fa Abrahama nijanona nitsangana teo anoloan'i Yaveh. 23 Avy eo Abrahama nanatona ary niteny hoe: "Hifaoka ny marina miaraka amin'ny ratsy fanahy ve Ianao?" 24 Angamba misy marina dimampolo ao amin'ny tanàna. Handripaka izany ve Ianao ary tsy hamindra fo ny toerana nohon'ny amin'ny dimampolo marina izay ao? 25 sanatria aminao ny hanao zavatra toy izany, mamono ny marina miaraka amin'ny ratsy fanahy, mba hahafahana mitondra ny marina tahaka ny ratsy fanahy. sanatria aminao izany! Tsy hanao izay marina ve ny Mpitsaran'ny tany rehetra? 26 Hoy Yaveh hoe: "Raha mahita marina dimampolo ao an-tanàna ao Sodoma Aho, dia hamindra fo ny toerana manontolo nohon'ny amin'izy ireo." 27 Namaly Abrahama ary nanao hoe: "Indro, nanaiky ny niresahako taminy ny Tompoko, na dia vovoka sy lavenona ihany aza aho! 28 Ahoana raha latsaka dimy ny dimampolo marina? Handrava ny tanàna manontolo nohon'ny dimy tsy ampy ve Ianao?" Dia hoy Izy hoe: "Tsy handrava izany Aho, raha mahita dimy amby efapolo ao." 29 Dia mbola niteny taminy indray izy, ary nanao hoe: "Ahoana raha misy efapolo hita ao?" Namaly Izy hoe: "Tsy hanao izany nohon'ny efapolo Aho." 30 Hoy izy hoe: "Azafady aza tezitra, ry Tompo, mba hafahako miteny. Angamba telopolo no ho hita ao." Namaly Izy hoe: "Tsy hanao izany Aho, raha mahita telopolo ao." 31 Hoy izy hoe: "Indro, nanaiky hiteny tamin'ny Tompoko aho! Angamba roapolo no ho hita ao." Namaly Izy hoe: "Tsy handrava izany nohon'ny roapolo Aho." 32 Hoy izy hoe: "Azafady aza tezitra, ry Tompo, ary hiteny ity farany aho. Angamba folo no ho hita ao." Dia niteny Izy hoe: "Tsy handrava izany nohon'ny folo Aho. 33 Nandeha tamin'ny lalany Yaveh vantany vao avy niresaka tamin'i Abrahama, ary Abrahama niverina nody.
Anaran'ilay lehilahy izay tompon'ny Hazo Terebinta izany.
"teo amin'ny fisokafan'ny lay" na "teo amin'ny fidiranan'ny lay"
"fotoana mafana indrindra ao anatin'ny andro"
"Niandrandra izy ary, indro, nisy lehilahy telo teo amin'ny tandrifiny."
"tampoka teo." Ny teny hoe : "indro" eto dia maneho amintsika fa nanaitra an'i Abrahama izay niseho manaraka.
"teo akaiky teo" na "teo". Teo akaikiny izy ireo, kanefa ampy hihazakazahany hankeny amin'izy ireo.
Miondrika amin'ny fanetre-tena mba haneho fanajana sy voninahitra manoloana ny olona iray.
Fanehoam-panajana izany. Ireo mety ho heviny dia 1) Fantatr'Abrahama fa ny iray amin'ireo lehilahy ireo dia Andriamanitra na 2) Fantatr'Abrahama fa ireo lehilahy ireo dia tonga ho an'Andriamanitra.
Niresaka tamin'ny iray tamin'ireo lehilahy i Abrahama.
"aza manohy mandeha intsony re"
"izaho". Izany fomba izany no ilazan'i Abrahama ny tenany mba hanehoany fanajana an'ireto vahininy.
Afaka atao izany hoe: DH: "aoka aho hitondra rano" na "Hitondra rano ireo mpanompoko"
"rano ...sakafo." Ny fiteny hoe "kely" dia fomba mihaja hanehoana ny fahalalan-tanana . Hanome azy ireo sakafo sy rano mihoatra noho izay ampy aza i Abrahama.
Izany fomba izany dia manampy ireo vizakin'ny dia amin'ny famelombelomana ny tenan'izy ireo tao aorian'ny dia an-tongotra lavitra.
Niresaka tamin'ireo telo lahy Abrahama, noho izany dia ampiasaina ny "anareo" sy ianareo"
sahabo 22 litatra
Izany mofo izany dia azo antoka tokoa fa nandrahoina haingana tamin'ny vato mahamay. Mety ho fisaka na boribory toy ny mofo kely na horonana.
"nikoropaka ilay mpanompo"
"hitetika sy hanatono izany"
Ilazana ny faritra mivaingan'ny ronono nalona izany. Mety ho ronono mandry na fromazy izany.
"ilay zanak'omby voatono"
"teo anoloan'ireo mpitsidika telo"
"Avy eo dia niteny tamin'i Abrahama izy ireo"
Ny teny hoe: "izy" dia ilazana ilay lehilahy izay nantsoin'i Abrahama hoe :"Tompo" ao amin'ny 18:3.
"raha hiverina izao vanim-potoana izao amin'ny taona manaraka" na "tahaka izao fotoana izao amin'ny taona manaraka" (UDB)
Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika hitandrina ny fampahafantarana tsy ampoizina izay hanaraka eo.
"teo amin'ny fisokafan'ny lay" na "teo amin'ny fidiranan'ny lay"
tsy misy ilaina ary ny tompoko dia antitra, hanana izany fahafinaretana izany ve aho ankehitriny? - Mety te hanampy ianao hoe: "amin'ny fananan-jaza" (UDB). Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Saraha satria tsy mino izy fa afaka ny hanan-janaka. DH: "Tsy mety mino aho fa hiaina ny fifalin'ny fananana zanaka. Ny tompoko ihany koa dia efa tena antitra"
Ny dikan'izanydia hoe: "koa satria efa tena antitra ny vadiko."
Izany dia fanehoam-panajana izay nataon'i Saraha amin'i Abrahama vadiny.
Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Andriamanitra mba hanehoana fa fantany izay tao an-tsain'i Saraha ary tsy nankasitraka an'izany Izy. Namerina ny fanontaniana fampisainan'i Saraha Izy (18:11) amin'ny fampiasana teny hafa. DH: "Diso i Saraha nihomehy sy niteny, 'tsy hanan'anaka aho satria efa tena antitra!'"
"Moa misy zavatra izay tsy afaka ataon'i Yaveh ve? Miresaka ny tenany toy ny miresaka amin'ny olona hafa mba hampatsiaro an'i Abrahama fa Izy, Yaveh, dia lehibe ary afaka manao ny zavatra rehetra. DH: "Tsy misy zavatra, izay tsy vitako, Izaho, Yaveh!"
"Amin'ny fotoana izay efa voatondroko, izay amin'ny lohataona"
"Ary nandà izany tamin'ny fitenenana hoe ... i Saraha"
"Namaly Yaveh"
"Eny, nihomehy tokoa ianao." Ny dikany dia "Tsia, tsy marina izany; tena nihomehy tokoa ianao."
"hanatitra azy ireo teny amin'ny lalany" na "Nanao ''veloma' azy ireo (UDB). Fahalalam-pomba ny miara-mandeha kely/ manatitratitra amin'ny vahiny rehefa manainga izy ireny.
Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Andriamanitra mba ilazana fa hiresaka zavatra manan-danja amin'ny Abrahama tokoa Izy ary ny tsara indrindra ho azy dia manao izany. DH: "Tsy tokony ary tsy hanafina amin'ny Abrahama izay ho ataoko Aho ... aminy." na "ary holazaiko amin'ny Abrahama ny amin'izay ho ataoko ... aminy"
"Tsy tokony ... ataoko. Ny antony satria ... aminy?"
Afaka atao izany hoe: DH: "Hitahy ireo firenena rehetra eto ambonin'ny tany Aho avy amin'i Abrahama Aho"
"ho tahiana noho i Abrahama" na "ho tahiana satria nitahy an'i Abrahama Aho." Amin'ny fandikana ny "avy aminy" dia jereo ny nandikanao "avy aminao" ao amin'ny 12:1.
"mba hahafahany mitarika" na "mba hibaikony"
Miresaka amin'ny tenany toy ny mihevitra azy ho olon-kafa i Yaveh. DH "hankatò izay, takian'i Yaveh, ... Izaho, Yaveh, hitondra ... izay nolazaiko"
"hankatò ireo baikon'i Yaveh"
"amin'ny fanaovana ny fahamarinana sy ny rariny." Milaza ny fomba hitandremana ny lalàn'i Yaveh izany.
"mba hitahian'i Yaveh an'i Abrahama tahaka izay nolazainy hiseho." Ilazana ny fanekena fampanantenana ny hitahiana sy hanaovana an'i Abrahama ho firenena lehibe izany.
Azo soloina amin'ny matoanteny hoe: "miampanga" ny anarana hoe: "fitarainana". DH: "maro tokoa ireo olona miampanga an'i Sodoma sy Gomora nohon'ny fanaovana zava-dratsy"
"nanota tafahoatra izy ireo"
"hidina any Sodoma sy Gomora Aho"
"hidina any ka hizaha" na "hidina any mba hanapa-kevitra"
Yaveh dia niteny toy ny nahalala ny zava-nisy nohon'ny fahenoany ny fitarainana sy ny fiampangana avy amin'ny olona izay nianjadian'izany. Azo soloina amin'ny matoanteny hoe: "miampanga" ny anarana hoe: "fitarainana." DH: "ratsy toy izay niampanga ratsy azy ireo ihany"
"Raha tsy ratsy toy izay lazain'ny fitarainana"
"nivoaka avy tao amin'ny fitobian'i Abrama"
"niara- nijanona i Abrahama sy Yaveh"
"nanatona an'i Yaveh" na "nanatona akaiky an'i Yaveh"
Miresaka ny fandringanana ny olona toy ny famafana loto amin'ny kifafa i Abrahama. DH: "mandringana"
"ny olo-marina miaraka amin'ny olona ratsy fanahy"
Nanohy niresaka tamin'i Yaveh i Abrahama.
"raha atao hoe misy"
Nanantena i Abrahama fa hiteny i Yaveh hoe: "tsy handripaka an'izany Aho." DH: "mihevitra aho fa tsy handripaka an'izany Ianao. Eny, hamindra fo amin'ny toerana Ianao noho ny amin'ny dimam-polo marina izay ao"
"mandringana izany." Miresaka ny fandringanana ny olona toy ny famafana loto amin'ny kifafa i Abrahama. DH: "mandringana ny olona izay mipetraka ao"
Nanantena i Abrahama fa hiteny i Andriamanitra hoe: "hamindra fo ny toerana nohon'ny amin'ny dimam-polo marina izay ao."
"hamela ny olona hiaina"
"nohon'ny amin'ny"
"Tsy iriako mihintsy ny hanaovanao zavatra tahaka izany" na "tsy tokony hanao zavatra tahaka izany ianao"
"zavatra toy ny famonoana" na "zavatra toy, izay famonoana"
Afaka atao izany hoe: DH: "tokony hitondra ny marina mitovy amin'ny fomba fitondrana ny ratsy fanahy ianao"
Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Abrahama mba ilazana izay niandrasany hataon'Andriamanitra. DH: "Ny Mpitsaran'ny tany rehetra dia hanao izay marina tokoa" na "Koa satria Ianao no mpitsaran'ny tany rehetra, dia hanao izay mety tokoa ianao!"
Ny andian-teny hoe: "Indro" dia manintona ny saintsika ny amin'ny fampahafantarana manaitra izay ho avy manaraka.
"Mamela ahy ny amin'ny fahasahiako hiresaka aminao" na "Mamela ahy ny amin'ny fahasahiako miresaka"
Naneho ny fanajany an'i Yaveh tamin'ny firesahana taminy tahaka ny miresaka amin'ny olon-kafa i Abrahama. DH: "aminao, ry tompoko"
Sarinteny manoritsoritra an'i Abrahama toy ny olombelona, izay ho faty ary ho lasa vovoka sy lavenona ny vatany. DH: "olombelona mety maty ihany" na "toy ny tsy misy ilana azy tahaka ny vovoka sy lavenona"
"olona dimy amby efapolo ihany"
"raha misy dimy olo-marina dimy monja"
"Tsy handrava an'i Sodoma Aho"
"niteny tamin'i Yaveh i Abrahama"
Ny heviny dia hoe: "raha mahita olona marina efapolo ao Sodoma sy Gomora ianao."
"Namaly i Yaveh"
"Tsy handringana ireo tanàna Aho raha mahita olo-marina efapolo ao"
"olo-marina telo-polo" na "olona tsara telo-polo"
Ny andian-teny hoe: "Indro" dia manintona ny saintsika ny amin'ny fampahafantarana manaitra izay ho avy manaraka.
"Mamela ahy ny amin'ny fahasahiako hiresaka aminao" na "Mamela ahy ny amin'ny fahasahiako miresaka"
"Angamba hahita olo-marina folo ao Ianao"
"olo-marina folo" na "olona tsara folo"
"Dia namaly Yaveh"
"raha mahita olo-marina folo ao"
"nanainga i Yaveh" na "nandao i Yaveh"
1 Tonga tao Sodoma ireo anjely anankiroa rehefa hariva, raha mbola nipetraka teo ambavahadin'i Sodoma i Lota. Hitan'i Lota izy ireo, nitsangana hitsena azy ireo, ary nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany. 2 Hoy izy hoe: "Tompoko, miangavy anareo re aho mba hivily ao an-tranon'ny mpanomponareo, mijanòna ao anio alina, ary sasao ny tongotrareo. Dia afaka mifoha vao mangiran-dratsy ianareo ary mandeha amin'izay lalan-kalehanareo. Namaly izy ireo hoe: "Tsia, handany ny alina eo an-kianjan'ny tanàna izahay." 3 Fa niangavy fatratra azy ireo izy, ka niaraka taminy izy ireo, ary nandroso tao an-tranony. Nahandro sakafo sy nanendy mofo tsy misy masirasira izy, dia nihinana izy ireo. 4 Kanefa talohan'ny natorian'izy ireo, ny lehilahin'ny tanàna, ny lehilahin'i Sodoma, dia nihodidina ny trano, ny tanora sy ny antitra, ireo lehilahy rehetra avy amin'ny faritry ny tanàna. 5 Nantsoin'izy ireo Lota, ka niteny taminy hoe: "Aiza ireo lehilahy izay tonga tato aminao tamin'ity alina ity? Ento aty aminay izy ireo, mba hafahanay miara-mandry amin'izy ireo." 6 Ka nivoaka ny varavarana ho eo amin'izy ireo Lota ary nanakatona ny varavarana tao aoriany. 7 Hoy izy hoe: "Ry rahalahiko, miangavy anareo aho, aza manao zava-dratsy loatra. 8 Indro, manan-janaka vavy anankiroa izay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lehilahy aho. Avelao aho, mitalaho aminareo aho, entiko eto aminareo ireo, ary ataovy amin'izy ireo izay tsara eo imasonareo. Aza manao na inona na inona amin'ireo lehilahy ireo, satria tonga ato ambany aloky ny tafoko izy ireo." 9 Hoy izy ireo hoe: "Mialà!" Hoy ihany koa izy ireo hoe: "Ity iray ity dia tonga teto mba hitoetra ho vahiny, ary izao izy indray no ho lasa mpitsara antsika! Ary ankehitriny dia hanao izay ratsy indrindra miaraka aminao noho ny miaraka amin'izy ireo izahay." Nanosika mafy nanohitra an'ilay lehilahy izy ireo, nanohitra an'i Lota, ary nanakaiky mba hamaky ny varavarana. 10 Fa ireo lehilahy nanandratra ny tanan'izy ireo sy nisintona an'i Lota hiditra ao an-trano hiaraka amin'izy ireo ary nanakatona ny varavarana. 11 Ary ireo vahinin'i Lota namely hajambana ireo lehilahy izay tao ivelan'ny varavaran'ny trano, ny kely sy lehibe, mba hahatonga azy ireo sasa-poana raha niezaka nitady ny varavarana izy ireo. 12 Dia niteny tamin'i Lota ireo lehilahy hoe: "Mbola misy olon-kafa ve ato aminao? Vinanto lahy, ireo zanaka lahinao sy ireo zanaka vavinao, ary izay hanananao eto amin'ity tanàna ity, dia ento mivoaka eto izy ireo. 13 Fa efa ho ravainay ity toerana ity, satria ny fiampangana izany eo anatrehan'i Yaveh dia tonga mafy loatra ka nirahany handrava izany izahay." 14 Nandeha Lota ary nampilaza ireo vinanto lahiny, ireo lehilahy izay efa nampanantena hanambady ireo zanany vavy, ary niteny hoe: "Faingàna, mialà amin'ity toerana ity ianareo, fa efa ho ravain'i Yaveh ity tanàna ity." Fa tamin'ireo vinanto lahiny dia toy ny nivazivazy izy. 15 Vao mangiran-dratsy ny andro, dia nitalaho tamin'i Lota ireo anjely, niteny hoe: "Mandehana, ento ny vadinao sy ireo zanakao roa vavy izay eto, mba tsy ho voaringana koa ianao amin'ny famaizana ny tanàna." 16 Kanefa nitaredretra izy. Dia nohazonin'ireo lehilahy ny tanany, sy ny tanan'ny vadiny, ary ny tanan'ireo zanany roa vavy, satria be famindram-po taminy i Yaveh. Nentin'izy ireo niala izy ireo, ary napetrak'izy ireo ivelan'ny tanàna. 17 Rehefa tafavoakan'izy ireo teny ivelany izy ireo, dia niteny ny iray tamin'ireo lehilahy hoe: "Mandosira ho amin'ny ainareo! Aza miherika, na mijanona amin'ny tany lemaka. Mandosira any an-tendrombohitra mba tsy ho voaringana ianareo." 18 Hoy Lota tamin'izy ireo hoe: "Tsia re tompoko o! 19 Efa nahita sitraka teo imasonao ny mpanomponao, ary efa naneho hatsaram-panahy lehibe tamiko ianao tamin'ny namonjenao ny aiko, kanefa tsy afaka ny handositra ho any an-tendrombohitra aho, satria hahatratra ahy ny loza, ary ho faty aho. 20 Fa indro, iry tanàna iry dia akaiky kokoa azo handosirana tsara, ary kely izy io. Tompoko, aoka re aho handositra ao (tsy kely ve io?), ary dia ho voavonjy ny aiko." 21 Hoy izy taminy hoe: "Eny ary, ekeko ihany koa izany fangatahana izany, fa tsy hamotika ny tanàna izay nolazainao teo aho. 22 Faingàna! Mandosira any, fa tsy afaka hanao na inona na inona aho mandra-pahatonganao any." Noho izany no niantsoana ny tanàna hoe: Zoara. 23 Efa niposaka tamin'ny tany ny masoandro nony tonga tao Zoara i Lota. 24 Dia nandatsaka solifara sy afo avy tany an-danitra tamin'i Sodoma sy Gomora i Yaveh. 25 Nopotehiny ireo tanàna ireo, sy ny lemaka rehetra, sy ireo mponina rehetra tao amin'ireo tanàna, ary ireo zava-maniry izay naniry tamin'ny tany. 26 Nefa ny vadin'i Lota, izay tao aoriany, niherika, ary dia tonga vongan-tsira izy. 27 Nifoha vao maraina Abrahama ka nankany amin'ilay toerana izay nijoroany teo anatrehan'i Yaveh. 28 Nitazana an'i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy. Nijery izy ka indro, niakatra tahaka ny setrokin'ny lafaoro lehibe ny setroka avy tamin'ny tany. 29 Ary rehefa nandrava ireo tany lemaka Andriamanitra, dia nahatsiaro an'i Abrahama. Nentiny niala avy tao afovoan'ny fandravana i Lota rehefa nandrava ny tanàna izay nonenan'i Lota Izy. 30 Dia niakatra avy tao Zoara i Lota mba honina tany amin'ireo tendrombohitra niaraka tamin'ireo zanany roa vavy, satria natahotra ny hitoetra tao Zoara izy. Nitoetra tanatina lava-bato iray izy, izy sy ireo zanany roa vavy. 31 Hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny hoe: "Efa antitra ny raintsika, ary tsy misy lehilahy hiara-mandry amintsika araka izay fanaon'izao tontolo izao. 32 Avia, Andeha hampisotrointsika divay ny raintsika, ary hiaraka handry aminy isika, mba hafahantsika manitatra ny taranaky ny raintsika." 33 Ka dia nampisotroin'izy ireo divay ny rainy tamin'io alina io. Avy eo dia niditra ilay vavimatoa ary nandry niaraka tamin-drainy; kanefa izy dia tsy nahafantatra ny fotoana izay nandriany, na ny nifohazany. 34 Nony ampitso dia niteny tamin'ny zandriny ilay vavimatoa hoe: "Henoy, nandry niaraka tamin'ny raiko aho alina. Koa andeha hampisotrointsika divay ihany koa izy anio alina, ary tokony miditra ao ianao ary mandry miaraka aminy, mba hafahantsika manitatra ny taranaky ny raintsika." 35 Ka nampisotroin'izy ireo divay indray ny rainy tamin'io alina io, ary nandeha nandry niaraka taminy ilay zandriny. Tsy nahafantatra izay nandriany izy, na izay nifohazany. 36 Noho izany dia samy nanan'anaka tamin'ny rainy ireo zanaka vavin'i Lota. 37 Ny vavimatoa dia niteraka zazalahy, ary nantsoina hoe Moaba. Izy no lasa razamben'ny Moabita ankehitriny. 38 Ary ilay faravavy, dia niteraka zazalahy ihany koa, ary niantso azy hoe Benamy. Lasa razamben'ny taranak'i Amona izy ankehitriny.
Ny Genesisy 18 dia milaza fa lehilahy roa ny nankany Sodoma. Eto isika dia mahafantatra fa anjely tokoa izy ireo.
"ny fidirana ao amin'ny tanànan'i Sodoma." Misy manda manodidina ny tanàna, ary tsy maintsy mandeha amin'ny vavahady ny olona vao tafiditra ao. Toerana manan-danja amin'ny tanàna izany. Ny olona manana ny maha izy azy no matetika mijanona eo.
Nanao ny lohaliny tamin'ny tany ary nampikasika ny andriny sy ny orony tamin'ny tany.
Fomba fanajan'i Lota an'ireo anjely izany.
"Mba tongava re ka mitoera ao an-tranon'ny mpanomponareo"
Manao ny tenany ho toy ny mpanompo i Lota mba hanehoana fanajana.
Tian'ny olona ny manasa ny tongotr'izy ireo ao aorian'ny dia.
"hifoha aloha"
Raha nilaza izany ireo anjely roa, dia nilaza ny tenan'izy ireo ihany, fa tsy i Lota. Izy roa dia niomana ny handany ny alina eo an-kianja. Ny fiteny sasany mety ampiasa ny "izahay" eto.
Toerana an-kalamanjana ao tanàna natao ho an'ny olona tsy an-kanavanaka izany.
"nihodina ka niaraka taminy izy ireo"
"talohan'ny natorian'ireo olona tao an-tranon'i Lota teo am-pandriana"
"ireo lehilahin'ny tanàna, izay, lehilahin'i Sodoma" na fotsiny hoe: "ireo lehilahin'ny tanànan'i Sodoma"
"ny tranon'i Lota"
"ny tanora hatramin'ny antitra." Ny heviny dia "ireo lehilahy amin'ny sala-taona rehetra" ary ilazana ireo lehilahin'i Sodoma izay nanodidina ny tranon'i Lota.
"izay nankao an-tranonao"
"manao firaisana ara-nofo amin'izy ireo." Mety manana fomba filaza mihaja hitenenana izany ny fiteninao. DH: "mahalala azy ireo manokana na ara-pananahana"
"tao afarany" na "tao aorian'ny nandehanany"
"mitalaho aminareo Aho, ry rahalahiko"
Niresaka tamin'ny fomba feno fitiavana tamin'ireo lehilahin'ny tanàna i Lota ary nanantena ny hihainon'izy ireo azy. DH: "ry namako"
"aza manao zavatra izay tena ratsy" na "aza manao zavatra ratsy toy izany"
"mihainoa" na "Aty jerena"
" tsy mbola nanao firaisana ara-nofo tamin'ny." Mety manana fomba filaza mihaja hitenenana izany ny fiteninao. DH: "mbola tsy nahalala"
"izay irianareo" na "izay fantatrareo fa mety"
Ireo lehilahy roa ireo dia vahiny ao amin'ny tranon'i Lota, noho izany dia mila miharo azy ireo izy. Ny teny hoe: "tafo" dia fibangoan-teny ho an'ny tranon'i Lota manontolo sy sarinteny ho an'ny fiarovan'i Lota azy ireo. DH: "ao an-tranoko, ary Andriamanitra manantena ahy hiaro azy ireo"
"Misana any! na "mialà amin'ny lalanay!" (UDB)
"Ity iray ity dia tonga teto toy ny mpihavy" na "ity vahiny ity dia tonga ka nitoetra teto"
"i Lota." Nifampiresaka ireo lehilahy. Raha tsy dia mazava loatra izany amin'ny fiteninao, eto dia afaka ataonao hoe niresaka tamin'i Lota ireo lehilahy ireo, toy ny ao amin'ny UDB.
"ary izao izy mihevitra fa manana zo ny ilaza amintsika izay mety sy tsy mety" na "kanefa tsy avelantsika hanakana antsika amin'ny fanaovana izay tiantsika atao izy"
"na dia tsy misy antony tokony,... izy"
"Koa satria ianao niteny izay fa ratsy izay nataonay, izahay"
Tezitra ireo lehilahy nohon'ny nitenenan'i Lota hoe: "aza manao zava-dratsy loatra" (19:6), koa dia nampitahotra ny hanao zavatra farak'izay ratsy noho izay natahoran'ny Lota tamin'ny voalohany. DH: "hanao zavatra ratsy kokoa aminao noho izay hataonay amin'izy ireo"
ireo mety ho heviny dia 1) "Nanohy nanatona akaiky kokoa an'i Lota, ilay lehilahy, izy ireo mandra-paha akaiky azy ireo hamakiany ny varavarana" na 2) nanosika an'i Lota hiala ny rindrina na ny varavaran'ny trano ary efa saika hahavaky ny varavarana.
Fomba roa ilazana an'i Lota izany.
"Fa ireo vahiny roan'i Lota" na "Fa ireo anjely roa"
Ny fiteninao dia mety mila manampy fa ireo lehilahy dia nanokatra ny varavarana aloha. DH: 'nanokatra ny varavarana ampy hanadratan'izy ireo ny tanany sy hisintona ... azy ireo, avy eo dia nohidin'izy ireo"
Ny andian-teny "namely hajambana" dia sarinteny; tsy nikapoka ireo lehilahy ireo vahiny. DH: "Nahajamba ireo lehilahy ireo vahinin'i Lota" na "nanaisotra ny fahitan'izy ireo"
"amin'ny sala taonan'ny lehilahy rehetra." Izany fampisainana izany dia manasongadina f aireo vahiny ireo dia nana-jamba ireo lehilahy rehetra. Milaza maha izy azy nohon'ny taona izany. DH: "na ny bitika na ny ngeza"
"Dia niteny ireo lehilahy roa" na "Dia niteny ireo anjely"
"Mbola misy hafa isan'ny fianakavinao ve eto an-tanàna?" na "Mbola misy hafa isan'ireo havanao ve amin'ity toerana ity?"
"izay hafa anisan'ireo fianakavinao izay monina amin'ity tanàna ity"
Ny teny hoe: "izahay" eto dia ilazana ireo anjely roa. Ireo anjely roa ihany no handrava ny tanàna; tsy handrava izany i Lota. Ny "izahay" no ampiasainao eto.
Afaka hovaina ho matoanteny ny anarana hoe:" fiampangana". DH: "betsaka loatra ny olona nilaza tamin'i Yaveh fa ny olon'izany tanàna izany dia manao zava-dratsy"
"koa dia nandao ny tranony i Lota"
vinanto, ireo lehilahy izay efa nampanantena hanambady ireo zanany vavy - Ny andian-teny hoe: "ireo lehilahy izay efa nampanantena hanambady ireo zanany vavy" eto dia manazava ny dikan'ny hoe: "vinanto lahiny". DH: "ireo lehilahy izay hanambady ireo zanany vavy" na "ny ''fofombadin'ireo zanany vavy"
"Mialoha kelin'ny hiposahan'ny masoandro"
"mandehana ankehitriny"
Azo atao izany hoe: DH: "mba tsy haringan'i Yaveh koa ianao raha manasazy ny olon'ity tanàna ity Izy"
Lazaina toy ny fifahona vovoka ny fandringanan'Andriamanitra ny olon'ny tanàna.
Eto ny "ny tanàna" dia ilazana ny olona.
"Kanefa nisalasala i Lota" na "Kanefa tsy niainga avy hatrany i Lota"
"koa dia nohazonin'ireo lehilahy roa" na "koa dia Dia nohazonin'ireo anjely"
"nanana fangoraham-po tamin'i Lota." Soritsoritina toy ny "be famindram-po" i Yaveh satria niharo ny ain'i Lota sy ireo havany raha tokony handringana azy ireo tamin'ny fandringanany ny olon'i Sodoma nohon'ny ratsy izay nataon'izy ireo.
"Rehefa tafavoakan'ireo lehilahy roa teny ivelany ireo havan'i Lota"
Fomba ilazana amin'izy ireo mba handositra ka tsy ho faty izany. DH: "Mandosira ary avoty ny ainareo!"
Ny andian-teny "any amin'ny tanàna" dia mazava. DH: "Aza miherika any amin'ny tanàna" na "Aza miherika amin'i Sodoma"
Ny dikany dia ny lemakin'ny onin'i Jordana. Ilazana ny faritry ny onin'i Jordana amin'ny ankapobeny izany.
Mazava amin'izany fa ho voaringana miaraka amin'ireo olon'ny tanàna izy ireo. Afaka atao izany hoe: DH: "raha tsy izany dia haringan'Andriamanitra miaraka amin'ireo olon'ny tanàna ianareo"
Ny fandringanan'Andriamanitra ny olon'ny tanàna dia resahina toy ny olona iray izay mifaoka vovoka.
Ny hoe mankasitraka olona dia noresahina toy ny hoe zavatra izay hita maso ny "sitraka". Ny "fahitana" ihany koa dia sarinteny ilazana ireo hevitra na ireo fisainan'ny olona. DH: "Nankasitrahako ianao" (UDB)
Naneho fanajana i Lota tamin'ny filazany ny tenany hoe " ny mpanomponao". DH: "izaho ,ny mpanomponao, efa"
Ny anarana hoe: "hatsaram-panahy" dia azo avadika hoe: "tsara fanahy." DH: "tena tsara fanahy tamiko ianao tamin'ny namonjenao ny aiko"
Ny tsy fahafahana mandeha lavitra an'i Sodoma raha handringana ny tanàna Andriamanitra dia resahina toy ny olona ny "loza" izay manenjika ka mahatratra an'i Lota. DH: "izaho sy ny havako dia ho faty tokoa raha mandringana ny olon'i Sodoma Andriamanitra, satria lavitra loatra ho anay ireo tendrombohitra axo antoka"
Milaza izany fa ny havan'i Lota dia hiara ho faty miaraka aminy. DH: "ny ainay ... tsy afaka ny handositra izahay... hahatratra anay, ... ary ho faty izahay"
Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Lota mba hahatonga ireo anjely hahatsikaritra fa kely tokoa ilay tanàna. DH: "aoka re aho handositra ao. Hitanao ny fahakelin'izany. Raha avelanao mankany izahay dia ho velona"
Ny fangatahan'i Lota feno dia azo azavaina. DH: "mba aleo aho handositra ao, toy izay haringanao izany tanàna izany"
Milaza izany fa ny ain'ny havan'i Lota ihany koa dia ho voavonjy miaraka amin'ny azy. Afaka atao izany hoe: DH: "mba ho velona izahay" na "mba ho afabela izahay"
"hataoko izay nangatahinao"
Afaka hatao mazava koakoa izany. DH: "Tsy afaka handrava ireo tanàna hafa"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: " nY anarana hoe "Zoara" dia mitovy fanonona amin'ny teny Hebreo izay midika hoe: "kely." Miantso izany tanàna izany hoe 'kely' i Lota ao amin'ny Genesisy 19:20."
"efa nipoaka ny masoandro teo amin'ny tany." Ny andian-teny "tamin'ny tany " dia azo ajanina tahaka ny ao amin'ny UDB izay tsy nandika izany.
Milaza izany fa niaraka taminy ireo havan'i Lota. DH: "Rehefa tonga tao Zoara i Lota sy ny havany"
Ny andian-teny "avy amin'i Yaveh" dia natao ilazana ny herin'Andriamanitra izay nahatonga solifara sy afo hiraraka amin'ny tanàna. DH: "Nahatonga solifara sy afo hiraraka amin'i Sodoma sy Gomora i Yaveh"
Ireo teny roa ireo dia nampiasaina miaraka mba hanoritsoritana zavatra iray ihany. DH: "solifara mandoro" na "oran'afo"
Voalohany izany dia ilazana an'i Sodoma sy Gomora, fa ilazana ireo tanàna telo hafa ihany koa anefa.
"ny olona izay miaina ao amin'ireo tanàna"
"tonga vongan-tsira izy" na "lasa toy ny vato lehibe vita amin'ny sira." Satria izy tsy nankato ny anjely izay nilaza tamin'izy ireo mba tsy hiherika ny tanàna, dia nataon'Andriamanitra lasa toy ny vongan-tsira vato izy.
Ny teny "indro" dia manaitra ny fifantohantsika ho amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka.
Maneho izany fa velarana setroka lehibe tokoa no hita. DH: "toy ny setroka avy amin'ny afo tena lehibe"
Ny andininy 29 dia famintinana ity toko ity.
Milaza ny antony nanavotan'Andriamanitra an'i Lota izany. Ny "mahatsiaro" dia fomba ilazana ny "mahatadidy." Tsy milaza izany hoe nanadino an'i Abrahama Andriamanitra akory. Ny dikany dia hoe nihevitra an'i Abrahama Izy ary nanana famindram-po taminy. DH: "Nihevitra an'i Abrahama Andriamanitra ka nanana famindram-po taminy"
"lavitrin'ny fandravana" na "lavitrin'ny loza"
Ny andian-teny "niakatra avy" dia nampiasaina satria i Lota dia nandeha ho any amin'ny fiakaran'ireo tendrombohitra avo.
"Ny zanak'i Lota vavimatoa" na "ny zokiny amin'ny zanany vavy"
"ilay zandriny amin'ny zanany vavy" na "ny zandriny vavy kely"
Eto ny "izao tontolo izao" dia ilazana ny olona. DH: "araka ny fanaon'ny olona na aiza na aiza"
Afaka hazavaina fa ny tanjon'izy ireo dia ny hahamamo azy. DH: "hisotro divay mandra-pahamamo azy" (UDB) na "mamon-divay"
Miresaka ny hanomezana taranaka an'i Lota toy ny hoe manalava ny fetran'ny ankohonany izy ireo. DH: "mba hahafahantsika manan-janaka izay ho taranaky ny raintsika" (UDB)
"tsy nahafantatra n'inona n'inona momba izany izy" na "tsy fantany fa niara-nandry taminy izy"
Adikao toy ny nataonao ao amin'ny 19:31.
Afaka hazavaina fa ny tanjon'izy ireo dia ny hahamamo azy. DH: "hisotro divay mandra-pahamamo azy" (UDB) na "mamon-divay"
Miresaka ny hanomezana taranaka an'i Lota toy ny hoe manalava ny fetran'ny ankohonany izy ireo. DH: "mba hahafahantsika manan-janaka izay ho taranaky ny raintsika" (UDB)
"tsy nahafantatra n'inona n'inona momba izany izy" na "tsy fantany fa niara-nandry taminy izy"
"bevohokan'ny rain'izy ireo" na "nitoe-jaza tamin'ny rain'izy ireo"
"Izy no"
"ny mponin'ny Moaba izay miaiana ankehitriny"
Ny teny hoe "ankehitriny" dia hanondrona ny fotoana izay mbola nahavelona ny mpanoratra ny bokin'ny Genesisy. Ny mpanoratra dia teraka ka nanoratra izany taona maro tao aorian'ny fahavelomana sy nahafatesan'ny fianakavian'i Lota.
Anaran-dehilahy izany.
"ireo taranak'i Amona" na "ny olon'i Amona"
1 Nandeha niala teo Abrahama ka nankany amin'ny tany Negeva, ary nitoetra teo anelanelan'i Kadesa sy Sora. Vahiny nipetraka tany Gerara izy. 2 Niteny ny mahakasika an'i Saraha vadiny Abrahama hoe: "Anabaviko izy." Noho izany dia nandefa ireo lehilahiny i Abimeleka mpanjakan'i Gerara ary nalain'izy ireo i Saraha. 3 Fa Andriamanitra niseho tamin'i Abimeleka tamin'ny nofy ny alina, ary niteny taminy hoe: "Indro, ho faty ianao ralehilahy noho ny vehivavy nalainao, satria vadin'olona izy." 4 Ary Abimeleka tsy mbola nanakaiky azy ka hoy izy hoe: "Tompo, ho vonoinao koa ve na dia ny firenena marina aza? 5 Tsy izy ihany ve no niteny tamiko hoe: 'Anabaviko izy?' Na izy tenany aza dia niteny tamiko hoe: 'Anadahiko izy.' Nataoko tamin'ny hitsim-poko izany ary tamin'ny tanako tsy manan-tsiny." 6 Avy eo Andriamanitra niteny taminy tamin'ny nofy hoe: "Eny, efa fantatro koa fa tamin'ny hitsim-ponao no nanaovanao izany, ary efa niaro anao tsy hanota amiko ihany koa aho. Noho izany, tsy namela anao hikasika azy aho. 7 Ka noho izany, avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy. Hivavaka ho anao izy, ary ho velona ianao. Fa raha tsy averinao izy, dia fantàro fa tena ho faty tokoa ianao sy izay rehetra anao." 8 Nifoha maraina be Abimeleka ary niantso ireo mpanompony rehetra ho eo aminy. Nolazainy tamin'izy ireo izany zavatra rehetra izany, ary dia natahotra mafy ireo lehilahy. 9 Avy eo Abimekela nampiantso ny an'i Abrahama ka nanao taminy hoe: "Inona ity nataonao taminay?" Ahoana ny nanotàko taminao, no dia nitondra fahotana lehibe teo amiko sy ny fanjakako ianao? Nataonao tamiko izay tsy tokony natao." 10 Hoy Abimeleka tamin'i Abrahama hoe: "Inona no nanosika anao hanao izao zavatra izao?" 11 Abrahama niteny hoe: "Satria nieritreritra aho hoe: 'Azo antoka fa tsy misy tahotra an'Andriamanitra amin'ity toerana ity, ary hamono ahy izy ireo noho ny amin'ny vadiko.' 12 Ary koa, anabaviko tokoa izy, zanaka vavin'ny raiko, fa tsy zanaka vavin'ny reniko; ary dia lasa vadiko izy. 13 Rehefa nahatonga ahy handao ny tokantranon'ny raiko sy nampifindrafindra toerana ahy Andriamanitra, dia hoy aho taminy hoe: 'Tsy maintsy asehonao amiko amin'ny maha-vadiko anao ity fahatokiana ity: any amin'izay toerana rehetra izay alehantsika, dia teneno ny momba ahy hoe: "Anadahiko izy."" 14 Avy eo naka ondry sy omby, andevo lahy sy vavy Abimeleka, ary nanome izany an'i Abrahama. Avy eo naveriny tany aminy i Saraha, vadin'i Abrahama. 15 Hoy Abimeleka hoe: "Indro, eo anoloanao ny taniko. Mitoera amin'izay mety aminao." 16 Hoy izy tamin'i Saraha hoe: "Indro, nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao. Izany dia mba ho tampimaso amin'ny fandikan-dalàna natao anao teo imason'ireo olon-drehetra izay miaraka aminao, tena nanao ny marina ianao." 17 Avy eo Abrahama nivavaka tamin'Andriamanitra, ary Andriamanitra nanasitrana an'i Abimeleka, ny vadiny, ary ireo andevo vaviny mba hafahan'izy ireo mahazo zanaka. 18 Satria Yaveh no nahatonga ny vehivavy rehetra tao an-tokatranon'i Abimeleka ho momba tanteraka, noho i Saraha, vadin'i Abrahama.
Faritry ny tany hay any amin'ny sisiny atsinanan'i Egypta izany.
"nampandeha ireo lehilahiny mba haka an'i Saraha ary hitondra azy ho eo aminy"
Andriamanitra niseho tamin'i Abimeleka
Eto ny teny "Indro" dia manampy hanasongadina izay ho avy manaraka. "Mihainoa ahy" (UDB)
Fomba fiteny mahery ilazana ny hafatesan'ny mpanjaka izany. DH: "tsy ho ela dia ho faty tokoa ianao" na "hovonoiko ianao"
"vehivavy manambady"
Izany andian-teny izany dia nampiasaina eto mba hanamarihana ny fiovan'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana mahakasika an'i Abimeleka.
Izany dia fomba mihaja ilazana fa tsy mbola niray ara-nofo taminy izy. DH: "tsy mbola nandry tamin'i Saraha i Abimeleka" na "tsy mbola nikasika an'i Saraha i Abimeleka"
Eto ny "firenena" dia milaza ny olona. Nanahy Abimeleka fa tsy izy irery no ho faizin' Andriamanitra, fa ny olony ihany koa. DH: "na dia ny olona tsy manan-tsiny"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH "tsy izy ihany ve no nilaza tamiko fa anabaviny izy? na izy tenany ary niteny tamiko fa anadahiny izy"
Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Abimeleka mba hampahatsiarovana an'Andriamanitra ny zavatra izay efa fantatr'Andriamanitra. Azo adika toy izao izany fanambarana izany: DH: "i Abrahama tenany mihitsy no niteny tamiko hoe 'anabaviko izy.'" na "Nilaza Abrahama fa anabaviny izy."
Ny teny hoe :"izy ihany" sy "izy tenany" dia nampiasaina hanasongadinana ka hisarihana ny fifantohana amin'i Abrahama sy Saraha ary hanamelohana azy ireo noho izay nitranga.
Eto ny "fo" dia milaza ny fisainana na izay kasaina atao. Ny "tanana" ihany koa dia milaza asa. DH: "Nanao izany tamin'ny fikasana sy asa tsara aho" na "Nanao izany tsy tamim-pisainana na asa ratsy aho"
"niteny tamin'i Abimeleka Andriamanitra"
Eto ny "fo" dia milaza ny fisainana na izay kasaina atao. DH: "nanao izany tamin'ny fikasana tsara ianao" na "Nanao izany tsy tamim-pisainana ratsy ianao"
Izany dia fanalefahan-teny ilazana ny fanaovana firaisana ara-nofo amin'i Saraha. DH: "nandry taminy"
"ny vadin'i Abrahama"
"avelako ho velona ianao"
"ny olonao rehetra"
"Nolazainy tamin'izy ireo ny zavatra rehetra izay nolazain'Andriamanitra azy"
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Abimeleka mba hanamelohany an'i Abrahama. DH: "Nanao zava-dratsy taminay ianao!" na "Jereo ity nataonao anay!"
Ny teny "taminay" eto dia ilazana an'i Saraha sy Abrahama. Ampiasao ny "anay" na "izahay."
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Abimeleka mba hampahatsiarovany fa nanota taminy i Abrahama. DH: "Tsy nampanao zavatra anao izay mitondra ... fahotana."
Nanao olona ho meloka nohon'ny fahotana dia resahina ny "fahotana" toy izay azo hasolo olona. DH: "mba hanamelohanao ahy sy ny fanjakako amin'izany fahotana mahatsiravina izany"
Eto ny "fanjakana" dia milaza ny olona. DH: "eo amin'ny olon'ny fanjakako"
"Tsy tokony nanao izany tamiko ianao"
"Inona no nahatonga anao hanao izao?" na "nahoana ianao no nanao izao?" Afaka atao mazava izay nataon'i Abrahama. DH: "Nahoana ianao no niteny tamiko fa anabavinao i Saraha?"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "koa satria tsy misy olona matahotra an'Andriamanitra eto, mety hisy hamonop ahy mba hahafahany maka ny vadiko."
Eto ny "toerana" dia milaza ny olona. DH: "tsy misy matahotra an'Andriamanitra ny olona eto Gerara"
Ny heviny dia manaja fatratra an'Andriamanitra ary maneho izany fanajana izany amin'ny fankatoavana azy.
"ankoatra izay, marina tokoa fa anabaviko i Saraha" na "ankoatra izay, dia tena anabaviko tokoa i Saraha"
"iray ray izahay, saingy samy manana ny reniny"
Ny andininy 13 dia fanohizana ny navalin'iAbrahama an'i Abimeleka.
Eto ny "trano" dia milaza ny fianakavian'i Abrahama. DH: "ny raiko sy ny sisam-pianakaviako" na "ny ankohonandraiko"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Niteny tamin'i Saraha aho fa ilaiko ny hisehoany mahatoky amiko amin'ny fitenenana amin'ny olona amin'izay alehanay rehetra fa anadahiny aho"
"nitondra (...) i Abimeleka (UDB)
"Niteny tamin'i Abrahama i Abimeleka"
Eto sy any amin'ny andininy faha 16 ny teny hoe: "Indro" dia manampy amin'ny fanasongadinana izay ho avy manaraka eo.
Izany dia fomba fiteny ny "homeko an-kalalahana ho anao ny taniko manontolo"
"Monena any amin'izay rehetra irianao"
"1,000"
Manome vola hanaporofona fa tsy manan-tsiny i Saraha ary noresahina toy ny mametraka tampimaso eo anolohan'ny fandikan-dalàna mba tsy hahafahan'ny olona mahita izany. DH: "Manome izany ho azy aho, mba ho fantatr'ireo izay miaraka aminao fa tsy nahavita zavatra ratsy ianao"
eto ny "maso" dia milaza ny fisainan'ny olona na ny heviny.
Ny hoe: "nanao ny marina" dia azo atao hoe: DH: "ny olona rehetra dia hahafantatra fa tsy manan-tsiny ianao"
"tena tsy afaka ny hanan-janaka"
Ny tena heviny dia azo azavaina hoe: DH:"satria Abimeleka naka an'i Saraha vadin'i Abrahama
1 Nihaino an'i Saraha araka izay efa nolazainy ho ataony Yaveh, ary dia nataon'i Yaveh tamin'ny Saraha araka izay efa nampanantenainy. 2 Nitoe-jaza Saraha ary niteraka zaza lahy tamin'i Abrahama tamin'ny fahanterany, tamin'ny fotoana voatendry izay efa nolazain'Andriamanitra taminy. 3 Abrahama nanome anarana ny zanany lahy, ilay nateraka ho azy, izay naterak'i Saraha ho azy, hoe Isaka. 4 Noforain'i Abrahama Isaka zanany tamin'izy valo andro, araka izay nandidian'Andriamanitra azy. 5 Zato taona Abrahama raha niteraka an'Isaka zanany. 6 Hoy saraha hoe: "Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho; ny olona rehetra maheno ahy dia hiara-hiomehy amiko." 7 Hoy koa izy hoe: "Iza moa no afaka nilaza tamin'i Abrahama fa hitaiza zaza Saraha, kanjo niteraka zazalahy ho azy tamin'ny fahanterany aho!" 8 Nitombo ny zaza ka nosarahi-nono, ary Abrahama nanao fety lehibe tamin'ny andro nampisarahana nono an'Isaka. 9 Saraha nahita ilay zanak'i Hagara Egyptiana, izay naterany tamin'i Abrahama, naneso azy. 10 Dia hoy izy tamin'i Abrahama hoe: "Roahy io andevo vavy io sy ny zanany: fa ny zanak'io andevo vavy io tsy hiray lova amin'ny zanako, dia Isaka." 11 Izany zavatra izany dia tena nampahory an'i Abrahama nohon'ny amin'ny zanany. 12 Fa hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama hoe: "Aza malahelo nohon'ny amin'ny zazalahy, sy nohon'ny mpanompo vavinao. Henoy ny teneniny rehetra izay lazainy anao mahakasika izany raharaha izany, satria avy amin'Isaka no hanomezana anarana ny taranakao. 13 Hataoko ho firenena ihany koa ny zanaky ny mpanompo vavinao, satria taranakao izy." 14 Nifoha maraina Abrahama, naka mofo sy siny hoditra nisy rano, dia nomeny an'i Hagara izany, napetrany teo an-tsorony. Nomeny azy ilay zazalahy ary nalefany lavitra. Lasa i Hagara ka nirenireny tany an-tany efitr'i Beri-sheba. 15 Rehefa lany ny rano tao anaty siny hoditra, dia navelan'i Hagara teo am-pototry ny hazo iray ny zaza. 16 Avy eo lasa izy ka nipetraka lavidavitra kely tamin'ilay zaza, sahabo ho halaviran'ny fandefasana tsipìka teo, fa hoy izy hoe: "Aoka aho tsy hijery ny fahafatesan'ny zaza." Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony ka nitomany. 17 Andriamanitra nahare ny feon'ny zazalahy, ary ny anjelin'Andriamanitra niantso an'i Hagara avy any an-danitra, ka niteny taminy hoe: "Inona ny olanao ry Hagara? Aza matahotra fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zazalahy eo amin'izay hitoerany. 18 Mitsangàna, atsangano ny zaza ka ampaherezo izy, fa Izaho hanao azy ho firenena lehibe." 19 Avy eo Andriamanitra nampahiratra ny masony, ka nahita fantsakana izy. Dia lasa izy nameno rano ilay siny hoditra ka nampisotro rano ilay zaza. 20 Nomba ilay zaza Andriamanitra, ary niha-lehibe izy. Nonina tany an'efitra izy ka lasa mpandefa tsipìka. 21 Nonina tany an-tany efitr'i Parana izy, ary nangalan'ny reniny vady avy tany Egypta. 22 Ary tamin'izany fotoana izany Abimeleka sy Pikola lehiben'ny tafiny niresaka tamin'i Abrahama ka niteny hoe: "Andriamanitra dia momba anao amin'izay rehetra ataonao. 23 Ankehitriny noho izany mianianà amiko eto anatrehan'Andriamanitra fa tsy hanao ratsy amiko ianao, na ny zanako, na ny taranako ianao. Asehoy ahy sy amin'ity tany izay nitoeranao ity ny fahatokisam-panekena izay nasehoko taminao." 24 Hoy Abrahama hoe: "Mianina aho." 25 Nitaraina tamin'i Abimeleka ihany koa Abrahama mahakasika ny lavaka fantsakana nalain'ny mpanompon'i Abimeleka an-keriny taminy. 26 Hoy Abimeleka hoe: "Tsy fantatro izay nanao izany zavatra izany. Tsy niteny mialoha izany tamiko ianao; tsy mbola nandre momba izany aho raha tsy androany." 27 Noho izany Abrahama dia naka ondry sy omby ka nomeny an'i Abimeleka, dia nanao fanekena izy roa lahy. 28 Abrahama nanavaka zanak'ondry vavy fito tamin'ireo ondriny. 29 Hoy Abimeleka tamin'i Abrahama hoe: "Inona no dikan'ireto zanak'ondry vavy fito navahanao ireto?" 30 Namaly izy hoe: "Ireto zanak'ondry vavy fito ireto dia ho raisinao avy amin'ny tanako, mba ho vavolombelona amiko, fa izaho no nandavaka ity fantsakana ity." 31 Koa dia nantsoiny hoe Beri-sheba io toerana io, satria teo izy roa tonta no nanao fianianana. 32 Tao Beri-sheba izy roa lahy no nanao fifanekena, avy eo Abimeleka sy Pikola lehiben'ny tafiny niverina nankany amin'ny tanin'ireo Filistina. 33 Namboly hazo voamadilo tao Beri-sheba i Abrahama. Nanompo an'i Yaveh, ilay Andriamanitra mandrakizay tao izy. 34 Nitoetra ho vahiny nandritra ny andro maro tany amin'ny tanin'ny Filistina i Abrahama.
Eto ny andian-teny "nihaino" dia milaza ny fanampian'i Yaveh an'i Saraha mba hanana zazakely. DH: "Nanampy an'i Saraha i Yaveh"
"niteraka ny zanaka lahin'i Abrahama"
"rehefa tena antitra i Abrahama"
"tamin'ny fotoana izay nolazain'Andriamanitra hitrangan'izany indrindra"
"Nanome anarana ny zanany lahy vao teraka i Abrahama, ilay izay naterak'i Saraha, Isaka" na " Nanome anarana ny zanaka lahin'izy ireo vao teraka hoe Isaka i Abrahama"
"Raha valo andro i Isaka zanany, dia noforain'i Abrahama izy"
"8 andro"
"izay nandidiana hataon'i Abrahama"
"100"
Nihomehy i Saraha satria gaga sy faly izy. Afaka atao mazava izany: DH: "nahatonga hehi-mpifaliana"
Ny olona izay maheno dia afaka atao mazava: DH: "izay rehetra maheno ny mahakasika izay nataon'Andriamanitra tamiko" (UDB)
Azo adika ho fanambarana izany fanontaniana fampisainana izany. DH: "Tsy mbola nisy olona nilaza tamin'i Abrahama fa i Saraha dia hitaiza zaza"
Izany dia fomba mihaja ilazana ny fampinonoana zazakely. DH: "mamahana ronono ny zaza avy amin'ny nonony"
Ny "misara-nono" dia fomba mihaja ilazana ny fitsaharan'ny fitroan'ny zaza ny nonon-dreniny. DH: "nitombo i Isaka, ary rehefa tsy nila ninono tamin'ny reniny intsony izy, dia nanao fety lehibe i Abrahama"
Ny anaran'ny zanaka lahin'i Hagara dia azo atao mazava. DH: "Ismaela, ilay zanaka lahin'i Hagara Egyptiana sy Abrahama"
Afaka atao mazava izany hoe nanao fijery manambany sy nihomehy an'i Isaka. DH: "nihomehy an'i Isaka"
"Niteny tamin'i Abrahama i Saraha"
"asivo mandeha" na "esory hiala" (UDB)
Ilazana an'i Hagara sy Ismaela izany. Tsy nanonona azy ireo tamin'ny anarany i Saraha satria tezitra tamin'izy ireo.
"miaraka amin'ny zanako, dia Isaka"
"Nalahelo mafy tamin'izay nolazain'i Saraha i Abrahama"
"satria mahakasika ny zanany izany." Manondro an'i Ismaela, zanany llahy izany.
"Aza tezitra nohon'ny amin'ny zazalahy sy ny mpanampinao"
Eto ny "teny" dia entina manambara izay voalaza. DH: "Ataovy izay rehetra lazain'i Saraha mahakasika azy ireo"
Ny andian-teny "hanomezana anarana" dia manana dika fa izay teraka avy amin'i Isaka dia izay no horaisin'Andriamanitra ho taranaka izay nampanantenainy an'i Abrahama. Afaka atao izany hoe: "Isaka no ho tonga razamben'ireo taranaka izay nampanantenaiko fa homeko anao" (UDB)
Ny teny hoe: "firenena" dia midika fa Andriamanitra hanome azy taranaka maro mba hahatonga azy ho firenen-dehibe. DH: "Hataoko ho firenen-dehibe ihany koa ny zanaky ny mpanompo vavinao"
Ireo mety ho heviny dia 1) entina ilazana ny sakafo amin'ny ankapobeny na 2) entina ilazana manokana ny mofo.
"kitapon-drano." Vita amin'ny hodi-biby ny fitoeran-drano.
"Rehefa fona ny rano tao anaty siny hoditra" na "rehefa tapitra nosotroin'izy ireo ny rano rehetra"
Ilazana ny elanelan'ny fahafahan'ny olona manipy zana-tsipìka amin'ny tsipìka. Sahabo ho 100 metatra eo izany.
Ny anarana hoe: "fahafatesana" dia azo soloina hoe: "maty." DH: "Tsy te ahita ny zaza maty aho"
Eto ny "feo" dia ilazana ny feon'ny tomany. Ny "nanandratra ny feony" dia midika hoe mihiakiaka mitomany mafy. DH: "nihiakiaka mafy sy nitomany izy" na "nitomany mafy izy"
"ny feon'ny zazalahy kely." Eto ny "feo" dia ilazana ny feon'ny tomaniny na ny resak'ilay zaza lahy kely. DH: "Ny feon'i Ismaela" (UDB)
"mpitondra hafatra avy amin'Andriamanitra" na "mpitondra hafatr'Andriamanitra"
Eto ny "lanitra" dia midika ho toerana fonenan'Andriamanitra.
"inona no tsy mety" na "nahoana ianao no mitomany"
Eto ny "feo" dia ilazana ny feon'ny tomaniny na ny resak'ilay zaza lahy kely. DH: "Ny feon'ny zaza lahy kely izay matory atsy"
"ampio ny zaza hitsangana"
Ny hoe hanao an'i Ismaela ho firenen-dehibe dia manana dika fa Andriamanitra hanome taranaka maro ho azy izay ho tonga firenen-dehibe. DH: "Hataoko ho firenen-dehibe ireo taranany" na "hataoko ho tonga razamben'ny firenen-dehibe izy"
Ny nampahalalan'Andriamanitra an'i Hagara ny fisian'ny fantsakana dia resahina toy ny hoe nanokatra ny masony ara-bakin-teny Izy. DH: "nampahita an'i Hagara Andriamanitra" na "nasehon'Andriamanitra azy" (UDB)
"ilay fasiana vita amin'ny hoditra" na "ilay kitapo"
"ilay zaza lahy kely" na "Ismaela"
Eto ny andian-teny "Nomba" dia fomba fiteny izay midika fa Andriamanitra nanampy na nitahy ilay zaza lahy kely. DH: "nitarika ilay zaza lahy kely Andriamanitra" na "nitahy ilay zaza lahy kely Andriamanitra"
"lasa nanana fahaiza-manao tamin'ny fampiasana tsipìka sy zana-tsipìka"
"nahita vady"
Izany andian-teny izany dia manamarika ny fiantombohan'ny fizaran-tantara vaovao. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia afaka mihevitra ny hampiasa izany eto ianao.
Anaran-dehilahy izany.
"manam-boninahitry ny tafiny" (UDB)
Ny teny "azy"/ "..ny" dia ilazana an'i Abimeleka.
Eto ny andian-teny "momba anao" dia fomba fiteny izay midika fa Andriamanitra manampy sy mitahy an'i Abrahama. DH: "Andriamanitra mitahy izay ataonao rehetra"
Ny teny "Ankehitriny" dia tsy midika hoe "amin'izao fotoana izao", fa nampiasaina mba hisarihana ny fifantohana ho amin'ny zavatra manan-danja ho avy manaraka. DH: "noho izany"
Fomba fiteny izany izay midika fanaovana fihanianana manetriketrika izay hatrehin'ireo mana-pahefana ambony, amin'izany, Andriamanitra. DH: "mianianà amiko ary Andriamanitra no vavolombelona"
"fa tsy handainga amiko ianao"
Azo atao ihany koa izany hoe: DH: "hanao fitondrana amin'ny hitsim-po amiko sy ireo taranako.
Nifanao fifanekena ireo lehilahy roa ireo. Ny anarana "fahatokisana" dia azo atao hoe" mahatoky" na "tsy mivadika." DH: "Aoka ho mahatoky amiko sy ny tany toy izay efa nataoko anao"
Eto ny "tany" dia milaza ny olona. DH: "amin'ny olon'ny tany"
Afaka atao izany hoe: DH: "Mianina ny hahatoky aminao sy ny olonao aho tahaka ny nataonao tamiko"
Ireo mety ho heviny dia 1) nitaraina mahakasika izay nitranga i Abrahama na 2) "nibedy/ niteny mafy an'i Abimeleka ihany koa Abrahama"
"Satria ireo mpanompon'i Abimeleka naka an-keriny ny fantsakan'i Abrahama"
"naka izany tamin'i Abrahama" na "naka ny fifehezana ny..." (UDB)
"Izao no fotoana voalohany nahenoako izany"
Mari-pamantaranan'ny fihavanana izany fa i Abrahama nanaiky ny hanao fanekena tamin'i Abimeleka.
"Nanasaraka zanak'ondry vavy fito avy tamin'ireo ondriny"
"7"
"Nahoana no navahinao tamin'ireo namany ireto zanak'ondry vavy fito ireto?"
"haka ianao"
Eto ny "tanana" dia ilazana an'i Abrahama. DH: "avy amiko"
Ny teny hoe: "izany" dia ilazana ny fanomezana dia ireo zanak'ondry vavy fito.
Ny anarana hoe "vavolombelona" dia afaka soloina hoe "hanaporofo." DH: "hanaporofo amin'ny olona rehetra"
"nantsoin'i Abrahama (...) io toerana io"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Beri-sheba dia manana dika hoe "fatsankan'ny fianianana" na "fatsankan'ny fito."
"Abrahama sy Abimeleka"
Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 21:22.
"niverina nankany amin'ny tanin'ireo Filistina"
Hazo maitso izay afaka maniry any amin'ny tany efitra. Azo adika tsotra fotsiny izany hoe: DH: "hazo"
"ilay Andriamanitra izay velona mandrakizay"
Ilazana halavan'ny fotoana izany.
1 Ary tao aorian'ireo zavatra maro ireo no nitsapan'Andriamanitra an'i Abrahama. Hoy Izy taminy hoe: "Ry Abrahama!" Hoy Abrahama hoe: "Inty aho." 2 Hoy Andriamanitra avy eo hoe: "Alaivo ny zanakao lahy, ilay lahy tokanao, izay tianao, dia Isaka, ary ento any amin'ny tanin'i Moria. Atolory any toy ny fanatitra dorana eny ambonin'ny iray amin'ireo tendrombohitra any, izay ho lazaiko anao izy. 3 Ary nifoha maraim-be i Abrahama, nanisy lasely ny borikiny ary naka tovolahy roa hiaraka aminy sy Isaka zanany lahy. Notapahiny ny hazo ho amin'ilay fanatitra dorana, avy eo dia nanomboka ny diany ho any amin'ilay toerana nolazain'Andriamanitra taminy. 4 Tamin'ny andro fahatelo Abrahama dia nitady ary nahita ilay toerana avy lavitra. 5 Hoy Abrahama tamin'ireo mpanompony hoe: "Mijanòna eto miaraka amin'ny boriky fa izaho sy ilay zazalahy handeha ho eny. Hanao fanompoana izahay dia hiverina eto aminareo indray." 6 Avy eo dia nandray ny hazo ho amin'ilay fanatitra dorana i Abrahama ary nametraka izany teo amin'Isaka zanany. Nentiny teny an-tanany ny afo sy ny antsy; ary dia niara-nandeha izy roa. 7 Niteny tamin'i Abrahama rainy i Isaka hoe: "Ry raiko," ary hoy izy hoe: "Inty aho ry zanako." Hoy izy hoe: "Jereo, indreo ny afo sy ny hazo fa aiza ilay ondry ho atao fanatitra dorana?" 8 Hoy Abrahama hoe: "Andriamanitra mihitsy no hamatsy ilay ondry ho atao fanatitra dorana, ry zanako." Ka dia nandeha niaraka izy roa. 9 Rehefa tonga teo amin'ilay toerana izay nolazain'Andriamanitra azy izy ireo dia nanamboatra alitara Abrahama ary nametraka ilay hazo teo amboniny. Avy eo dia namatotra an'Isaka zanany izy ary nametraka azy teo ambony alitara, ambonin'ilay hazo. 10 Naninjitra ny tanany Abrahama ary naka ilay antsy hamonoana ny zanany. 11 Avy eo dia niantso azy avy any an-danitra ny anjelin'i Yaveh ary niteny hoe: "Abrahama, Abrahama!" ary hoy izy hoe: "Inty aho." 12 Hoy izy hoe: "Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, na manao zavatra handratra azy satria fantatro ankehitriny fa matahotra an'Andriamanitra ianao rehefa hita fa tsy niaro ny zanakao lahy, ilay zanakao lahitokana, avy amiko ianao." 13 Nitodika Abrahama ary indro nisy ondry lahy nisaringotra tamin'ireo kirihitra ireo ny tandrony. Nandeha i Abrahama ary naka ilay ondry lahy ary nanao izany fanatitra dorona izany ho solon'ny zanany lahy. 14 Koa dia nantsoin'i Abrahama hoe: "Yaveh no hamatsy" ilay toerana, ary nolazaina hatramin'izao andro izao hoe: "Eny amin'ny tendrombohitr'i Yaveh no hamatsiana." 15 Niantso an'i Abrahama fanindroany avy any an-danitra ny anjelin'i Yaveh 16 ary niteny hoe—izao ny fanambaran'i Yaveh—amin'ny tenako no nianianako fa satria nahavita izany zavatra izany ianao, ary tsy niaro ny zanakao lahy, ilay zanakao lahy tokana, 17 hitahy anao tokoa Aho ary hampitombo fatratra ireo taranakao toy ireny kintana eny amin'ireo lanitra sy toy ireo fasika eny amoron-dranomasina; ary ireo taranakao ireo dia ho tompon'ny vavahadin'ireo fahavalon'izy ireo. 18 Ireo firenena rehetra eto ambonin'ny tany dia ho voatahy amin'ny alalan'ny taranakao satria nankatoa ny feoko ianao." 19 Noho izany dia niverina teo amin'ireo zatovony i Abrahama, dia nanainga izy ireo ary nandeha niaraka nankany Beri-sheba, ary nonina tao Beri-sheba izy. 20 Tao aorian'ireo zavatra ireo no nilazana tamin'i Abrahama hoe: "niteraka zaza tamin'i Nahora rahalahinao koa i Milka." 21 Dia i Oza izay lahimatoany, Boza rahalahiny, Kemoela rain'i Arama, 22 Kaseda, Hazo, Pildasy, Jidiafa ary i Betoela. 23 Ary Betoela niteraka an'i Rebeka. Ireo zaza valo ireo no naterak'i Milka tamin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama. 24 Ary ny vaditsindranony izay nantsoina hoe Reoma ihany koa dia niteraka an'i Teba, Gahama, Tahasy ary Meaka.
Izany andian-teny izany dia manamarika ny fiantombohan'ny fizaran-tantara vaovao. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia afaka mihevitra ny hampiasa izany eto ianao.
Izany andian-teny izany dia ilazana ireo tranga niseho tao amin'ny toko 21.
Toa milaza izany fa nitsapa an'i Abrahama Andriamanitra mba hafantatra raha mahatoky eo anatrehany i Abrahama. Ny tena dikan'izany fanambarana izany dia: DH: "nitsapa ny fahatokian'i Abrahama Andriamanitra"
"eny, mihaino aho" na "eny, ahoana izay?"
Toa milaza izany fa mahafantatra Andriamanitra fa manana zanaka lahy hafa i Abrahama, dia Ismaela. Manasongadina izany fa Isaka ilay zanaka lahy izay nampanantenan'Andriamanitra homena an'i Abrahama. Ny tena hevitr'izany fanambarana izany dia azo atao hoe: DH: "ny zanakao lahy tokana izay nampanantenaiko"
Manasongadina ny fitiavan'Abrahama an'i Isaka, ny zanany lahy izany.
"ny tany izay nantsoina hoe Moria"
"namatratra entana ny borikiny" na "nametraka teo ambonin'ny borikiny izay nilainy amin'ny diany"
"mpanompo" (UDB)
"nanomboka ny diany" na "nanomboka ny dia" (UDB)
Ny teny " fahatelo" dia midika telo amin'ny filaharan'isa. DH: "tao aorian'ny andro faha telon'ny dia"
"nahatazana avy eny alavitra ilay toerana izay efa nolazain'Andriamanitra"
"mpanompo" (UDB)
Ny teny hoe: "izahay" dia ilazana an'i Abrahama sy Isaka ihany.
"hiverina eto aminareo"
"nampitondra izany, an'i Isaka, zanany"
Eto ny hoe "teny an-tanany" dia manasongadina fa i Abrahama mihintsy no nitondra ireo zavatra ireo. DH: "Abrahama tenany mihintsy no nitondra"
Eto ny hoe "ny afo" dia ilazana ny lasitra misy arina mirehitra na jiro na fanilo. DH: "zavatra izay handrehetana afo" (UDB)
"niara-niainga izy ireo" na "niara-nandeha izy roa"
Fomba firesaka maneho fitiavana ataon'ny zanaka amin'ny rainy izany.
"eny, mihaino aho" na "eny, ahoana izay?" Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:1.
Fomba firesaka maneho fitiavana ataon'ny rainy amin'ny zanaka izany.
Eto ny hoe "ny afo" dia ilazana ny lasitra misy arina mirehitra na jiro na fanilo. Jereo ny nandikanao an'izany ao amin'ny 22:4.
"ilay ondry izay atolotrao ho fanatitra dorana"
Eto ny hoe "mihitsy" dia manasongadina fa Andriamanitrano hamatsy ilay ondry.
"hanome antsika"
"Rehefa tonga teo amin'ilay toerana i Abrahama sy Isaka"
"nofatorany"
"teo ambonin'ilay hazo izay teo amin'ny alitara"
"naka ilay antsy"
ireo mety ho heviny dia 1) naka endrika anjely i Yaveh na 2)iray amin'ireo anjelin'i Yaveh izany na 3)mpitondra hafatr'i Yaveh manokana (ireo manam-pahaizana sasany mihevitra fa i Jesoa izany). Koa satria tsy dia mazava loatra ny andian-teny, ny tena tsara dia ny mandika izany tsotra hoe: "ny anjelin'i Yaveh" mampiasa ny teny tsotra izay ampiasainao ho an'ny "anjely." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 16:7.
Ilazana ny toerana izay honenan'Andriamanitra izany.
"eny, mihaino aho" na "eny, ahoana izay?"Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:1.
Ny andian-teny "Aza maninjitra ny tananao amin'ny" dia fomba fiteny ny hoe: "aza mandratra" / "aza mikasi-tanana." Milaza zavatra mitovitovy indroa Andriamanitra mba hanasongadinana fa tsy tokony handratra an'i Isaka i Abrahama. DH: "aza mandratra ny zaza na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana"
Ny mpisolo tena tapisaka "...o" sy ny "...ko" dia ilazana an'Yaveh. Rehefa mandika ny teny ao anaty farango sosona ianao, dia ataovy toy izay nataon'ilay anjelin'Yaveh ary ampiasao ny teny hoe: "Izaho" rehefa manondro an'Yaveh.
Ny heviny dia fanajana lalim-paka an'Andriamanitra sy fanehoana ny fanajana amin'ny fankatoavana azy.
"satria hitako fa"
"tsy nanakana ny zanakao lahy ... avy amiko." Afaka atao izany hoe: DH: "nanolotra an-tsitra-po ny zanakao lahy ... ho ahy"
Toa milaza izany fa mahafantatra Andriamanitra fa manana zanaka lahy hafa i Abrahama, dia Ismaela. Manasongadina izany fa Isaka ilay zanaka lahy izay nampanantenan'Andriamanitra homena an'i Abrahama. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:1.
Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika hitandrina tsara ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka.
Afaka atao izany hoe: DH: "nisy ondry lahy izay niraikitra teo amin'ireo kirihitra ireo tandrony" na "nisy ondry lahy niraikitra teo amin'ireo kirihitra"
"Nandeha nankeny amin'ilay ondry lahy Abrahama ary naka izany"
Mampiasa teny mitovy amin'izay nampiasainao tao amin'ny 22:7.
"na dia ankehitriny aza." Ny dikany izany dia hoe: na dia tamin'ny fotoana nanoratan'ny mpanoratra ity boky ity aza.
Afaka atao izany hoe: DH: "izy no hamatsy"
ireo mety ho heviny dia 1) naka endrika anjely i Yaveh na 2)iray amin'ireo anjelin'i Yaveh izany na 3)mpitondra hafatr'i Yaveh manokana (ireo manam-pahaizana sasany mihevitra fa i Jesoa izany). Koa satria tsy dia mazava loatra ny andian-teny, ny tena tsara dia ny mandika izany tsotra hoe: "ny anjelin'i Yaveh" mampiasa ny teny tsotra izay ampiasainao ho an'ny "anjely." Jereo ny fanamarihana ambany pejy mahakasika izany andian-teny izany ao amin'ny 16:7.
Ny teny "fanindroany" dia roa amin'ny filaharan'isa. DH: "indray"
Eto ny teny "lanitra" dia ilazana ny toerana izay honenan'Andriamanitra.
"ary niteny hoe izao no hafatr'i Yaveh" na "ary nanambara ireo tenin'i Yaveh." Izany dia entina ilazana fa avy amin'iYaveh tsy misy mpanelanelana ireo teny ireo.
"nianiana aho ary Izaho no vavolombelona." Ny dikan'ny teny hoe: "mianina amin'ny" dia mampiasa anaran-javatra na olona ho fototra na hery nanaovana ny fianianana. Tsy misy zavatra izay mahery indrindra amin'i Yaveh afa-tsy ny mihaniana amin'ny tenany.
"nankatò Ahy ianao"
"tsy niambina ny zanakao lahy." Afaka atao izany hoe: DH: "nanome an-tsitra-po ny zanakao lahy ho ahy"
Toa milaza izany fa mahafantatra Andriamanitra fa manana zanaka lahy hafa i Abrahama, dia Ismaela. Manasongadina izany fa Isaka ilay zanaka lahy izay nampanantenan'Andriamanitra homena an'i Abrahama. Jereo ny nandikanao izany andian-teny mitovy izany ao amin'ny 22:1.
"tena hitahy"
"hampitombo foana foana ireo taranakao Aho " na "hataoko ho maro tokoa ireo taranakao"
Nampitahain'Andriamanitra amin'ireo kintana sy fasika ireo taranak'i Abrahama. Toy ny tsy hahafahan'ny olona manisa ny isan'ireo kintana tsy tambo isaina sy ny voan'ny fasika, koa ho maro be tahaka izany ireo taranak'i Abrahama izay tsy azon'ny olona isaina izy ireo. DH: "mihoatra izay azonao isaina"
Eto ny teny hoe: "lanitra" dia ilazana ny zavatra rehetra izay hita eny amin'ny lanitra (ambonin'ny tany), ao anatin'izany ny masoandro, ny volana, sy ireo kintana.
Eto ny "vavahady" dia ilazana ny tanàna manontolo. Ny hoe :"Ho tompon'ny vavahadin'ireo fahavalon'izy ireo" dia midika fa handringana ireo fahavalon'izy ireo. DH: "manjakazaka amin'ireo fahavalon'izy ireo"
Nanohy niresaka tamin'i Abrahama ilay anjelin'Andriamanitra.
Afaka atao izany hoe: DH: "Izaho, Ilay Tompo, dia hitahy ny olona rehetra monina eny rehetra eny"
Eto ny "firenena" dia ilazana ny olon'ireo firenena.
Eto ny "feo" dia ilazana izay Nolazain'Andriamanitra. DH: "nankatoa izay nolazaiko ianao" na "nankatoa ahy ianao"
Abrahama ihany no voatonina satria izy no ray, kanefa voalaza ao anatin'izany ny zanany lahy izay nandeha niaraka taminy. Ny tena hevitr'izany fanambarana izany dia azo atao mazava: DH: "Niverina i Abrahama sy ny zanany lahy"
"mpanompony" (UDB)
"nandao ilay toerana"
Abrahama ihany no voatonona satria izy no mpitarika ny fianakaviana sy ireo mpanompony, kanefa voalaza ao anatin'izany fa niaraka taminy izy ireo. Ny tena hevitr'izany fanambarana izany dia azo atao mazava: DH: "Nonina tao Beri-sheba Abrahama sy ireo olony"
"Tao aorian'ireo tranga ireo." Ny andian-teny "zavatra ireo" dia ilazana ny tranga ao amin'ny Genesisy 22:1-19.
Afaka atao izany hoe: DH: "nisy nilaza tamin'i Abrahama" (UDB)
"niteraka zaza ihany koa i Milka"
Anaram-behivavy izany.
"Ny anaran'ny lahimatoany dia Oza, ary ny anaran'ireo zanany sasany dia i Boza sy ireo rahalahiny"
Anaran-dehilahy avokoa ireo. Adikao izany mba ho fantatra mazava tsara fa zanak'i Nahora sy Milka avokoa izy ireo ankoatran'i Arama.
"taty aoriana kely dia lasa rain'i Rebeka i Betoela"
"ireo no zaza valo ireo no naterak'i Milka sy Nahora, rahalahin'i Abrahama." Ilazana ireo ankizy voatanisa ao amin'ny 22:20 izany.
"8"
"vaditsindranon'i Nahora"
Anaram-behivavy izany.
"niteraka ihany koa an'i..."
Anaran-dehilahy avokoa izany.
1 Niaina fito amby roapolo amby zato taona i Saraha. Izany ny taona niainan'i Saraha. 2 Saraha dia maty tao Kiriata Arba, izany hoe, Hebrona, tao amin'ny tany Kanàna. Nisaona sy nitomany an'i Saraha i Abrahama. 3 Avy eo dia nitsangana ka niainga avy eo amin'ny fatin'ny vadiny, ary niresaka tamin'ireo zanaka lahin'i Heta, nanao hoe: 4 "Vahiny aho eto aminareo. Mba omeo toerana fandevenana eto aminareo re aho, mba hafahako mandevina ny faty izay ahy." 5 Namaly an'i Abrahama ireo zanaka lahin'i Heta, nanao hoe: 6 "Mihainoa anay, ry tompoko. Andrian-dehibe an'Andriamanitra eto aminay ianao. Aleveno amin'ireo fasanay izay safidinao indrindra ny fatin'ny vadinao. Tsy misy na iza na iza aminay handà izany fasana izany ho anao, mba hafahanao mandevina ny fatin'ny vadinao." 7 Nitsangana Abrahama ka nandohalika tamin'ireo olona teo an-toerana, tamin'ireo zanaka lahin'i Heta. 8 Niteny tamin'izy ireo izy, nanao hoe: "Raha manaiky ianareo fa tokony handevina ny fatin'ny vadiko aho, dia henoy aho ary hiangavio i Efrona zanaka lahin'i Zohara, ho ahy. 9 Angataho izy mba hivarotra amiko ilay lava-baton'i Makpela, izay azy, any amin'ny faran'ny sahany. Amin'ny vidiny feno dia aoka izy hivarotra izany amiko ampahibemaso ho toy ny fananana ho toerana fandevenana." 10 Ary Efrona nipetraka teo amin'ireo zanaka lahin'i Heta, ary Efrona ilay Hetita namaly an'i Abrahama mba ho ren'ireo zanaka lahin'i Heta, sy ireo rehetra izay tonga teo amin'ny vavahadin'ny tanànany, nanao hoe: 11 "Tsia, ry tompoko, henoy aho. Nanome saha anao aho, sy ny lava-bato izay ao amin'izany. Nomeko ho anao teo anatrehan'ireo zanaka lahin'ny oloko izany. Omeko anao izany mba handevenanao ny faty izay anao." 12 Avy eo Abrahama nampiankohoka ny tenany nanoloana ny olona teo an-toerana. 13 Niteny tamin'i Efrona izy mba ho ren'ny olona teo amin'ilay tanàna, nanao hoe: "Kanefa raha sitrakao, henoy re aho. Ho vidiako ny saha. Raiso ny vola avy amiko, ary handevina ny fatin'ny vadiko eny aho." 14 Efrona namaly an'i Abrahama, nanao hoe: 15 "Aoka re, ry tompoko, mihainoa re ahy. Sekely volafotsy efajato no sahaza ny ampahan-tany iray, ho inona amintsika sy ianao izany? Aleveno ny fatin'ny vadinao." 16 Nohenoin'i Abrahama i Efrona ka nolanjainy ho an'i Efrona ny fatran'ny volafotsy izay noresahiny mba ho ren'ireo zanaka lahin'i Heta, sekely volafotsy efajato, araka ny fandanjana mahazatra ny mpivarotra. 17 Noho izany ny tanin'i Efrona, izay tao Makpela, teo akaikin'i Mamre, izany hoe, ilay saha, ilay lava-bato izay ao amin'izany, sy ireo hazo rehetra izay eo amin'ny tany sy manodidina ny sisiny, dia lasan'i 18 Abrahama tamin'ny fividianana izany teo anatrehan'ireo zanaka lahin'i Heta, teo anatrehan'ireo rehetra izay tonga teo amin'ilay vavahadin'ny tanànany. 19 Tao aorian'izany, dia nandevina an'i Saraha vadiny tao amin'ilay lava-baton'ilay sahan'i Makpela i Abrahama, izay teo akaikin'i Mamre, izany hoe, Hebrona, tao amin'ny tany Kanana. 20 Noho izany ny saha sy ny lava-bato ao izay dia lasa fananan'i Abrahama ho toeram-pandevenana, izany dia avy amin'ireo zanaka lahin'i Heta.
Fito taona - "Niaina 127 taona i Saraha"
Misy ireo dikanteny izay tsy mampiditra izany fehezanteny izany.
Anaran-tanàna izany.
"Nalahelo mafy sy nitomany i Abrahama satria maty i Sarah"
"nitsangana Abrahama ka namela ny fatin'ny vadiny"
Eto ny "zanaka lahy" dia ilazana ireo taranak'i Heta. DH: "ireo taranak'i Heta" (UDB) na "ireo avy amin'ireo taranak'i Heta"
Afaka atao milaza toerana izany hevitra izany. "eto amin'ny firenenareo" na "eto"
"Hamaroty tany aho" na "Avelao aho mba hividy ampahan-tany"
DH: "ny vadiko izay maty" na "ny vadiko izay efa maty"
Eto ny "zanaka lahy" dia ilazana ireo taranak'i Heta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3. DH: "ireo taranak'i Heta"
Ity andian-teny ity dia nampiasaina hanehoana fanajana an'i Abrahama.
Fomba fiteny izany. Ny tena hevitr'izay dia "lehilahy manan-kery" (UDB) na "mpitarika matanjaka."
Afaka atao izany hoe: DH: "ny vadinao izay maty" na "ny vadinao"
"ny tsara indrindra amin'ireo toerana fandevenanay"
"hitazona ny toerana fandevenany ho anao" na "handà ny hanome ny fasany ho anao"
Ny dikany dia mamoritra ny lohalika na mandohalika farany ambany am-panetretena mba hanehoana fanajana sy voninahitra amin'ny olona iray.
"amin'ireo zanaka lahin'i Heta izay nonina teo amin'ilay faritra"
Eto ny "zanaka lahy" dia ilazana ireo taranak'i Heta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3. DH: "ireo taranak'i Heta" Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3.
Afaka atao izany hoe: DH: "ny vadiko izay efa maty" na "ny vadiko"
Anaran-dehilahy izy ireo.
"ilay lava-baton'i Makpela." Makpela no anaran'ilay toerana na faritra. Nanana saha any Makpela i Efrona ary ilay lava-bato dia ao anatin'ilay saha.
Milaza zavatra momba an'ilay lava-bato izany. An'i Efrona ary ilay lava-bato.
Milaza zavatra momba an'ilay lava-bato ihany koa izany. Any amin'ny faran'ny sahan'i Efrona ilay lava-bato.
"varoty izany amiko eto imason'ny rehetra" (UDB) na "varoty amiko eto amin'ny fanatrehanareo"
"ampahan-tany izay ho ahy ka afaka ampiasaiko"
Eto ny "Ary" dia nampiasaina hanamarihana ny fiovana avy amin'ny tantara ho any amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Efrona.
Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.
Eto ny "zanaka lahy" dia ilazana ireo taranak'i Heta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3. DH: "ireo taranak'i Heta" Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3.
Afaka atao izany hoe: DH: "mba hahafahan'ireo zanaka lahin'i Heta maheno azy" na "raha nihaino ireo zanaka lahin'i Heta"
Milaza ireo zanaka lahin'i Heta izay nihaino izany. DH: "ireo rehetra izay niangona teo amin'ny vavahadin'ny tanànany"
Ny vavahadin'ny tanàna dia toerana izay hihaonan'ireo mpitarika ny tanàna handraisana ireo fanapahan-kevitra manan-danja.
"ny tanàna izay honenany." Izany andian-teny izany dia maneho fa ao anisan'ny olona ao an- tanàna i Efrona. Tsy midika anefa izany fa tompon'izany izy.
Ity andian-teny ity dia nampiasaina hanehoana fanajana an'i Abrahama.
Eto ny "fanatrehana" dia milaza ny olona izay natao toy ny vavolombelona. DH: " toy ny vavolombelona miaraka amin'ireo mpiray firenena amiko"
Ny dikan'izany dia "ireo mpiray firenena amiko" na "ireo Hetita mpiray firenena"
"ny oloko" izany andian-teny izany dia maneho fa Efrona dia ao anatin'ny vondron'ny olona. Tsy midika anefa izany fa mpitarika azy ireo izy.
"Omeko anao izany. Aleveno ny faty izay anao"
Afaka atao izany hoe: DH: "ny vadinao izay efa maty" na "ny vadinao"
Ny dikany dia mamoritra ny lohalika na mandohalika farany ambany am-panetretena mba hanehoana fanajana sy voninahitra amin'ny olona iray.
"olona izay monina amin'ny toerana"
Afaka atao izany hoe: DH: "mba hahafahan'ireo olon'ny tany maheno azy" na "raha nihaino ireo olon'ny tany"
Ny teny hoe "kanefa" dia maneho fifanoherana. Te hanome ny saha ho an'i Abrahama i Efrona; i Abrahama kosa te handoa ny vidin'izany. DH: "Tsia, kanefa raha sitrakao" na "Tsia, kanefa raha manaiky izany ianao"
"Homeko volo ianao ny amin'ny saha"
Afaka atao izany hoe: DH: "ny vadiko izay efa maty" na "ny vadiko"
Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.
"mandrenesa ahy, ry tompoko" na "mihainoa ahy, ry lehilahy tsara fanahy"
Ity andian-teny ity dia nampiasaina hanehoana fanajana an'i Abrahama.
Tian'i Efrona ambara fa satria izy sy Abrahama samy tena manan-karena, dia lelavola kely ny volafotsy 400. Izany fanontaniana fampisainana izany dia azo adika ho fanambarana. DH: "Sekely volafotsy efa-jato ihany no sahaza ny ampahan-tany iray. Tsy dia toy inona loatra izany, amiko sy aminao."
Sahabo ho volafotsy 4.5 kilao izany.
"400"
Afaka atao izany hoe: DH: "Mandehana aleveno ny vadinao izay maty" na "Mandehana aleveno ny vadinao"
"nandanja ny volafotsy Abrahama ka nanome ny fatra ho an'i Efrona" na "nanisa ny fatran'ny volafotsy ho an'i Efrona i Abrahama"
"ny fatran'ny volafotsy izay nolazain'i Efrona"
Afaka atao izany hoe: DH: "mba hahafahan'ireo zanaka lahin'i Heta maheno azy" na "raha nihaino ireo zanaka lahin'i Heta"
Eto ny "zanaka lahy" dia ilazana ireo taranak'i Heta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3. DH: "ireo taranak'i Heta"
"mampiasa mari-pandanjana mahazatra ny mpivarotra." Afaka atao ho fehezanteny vaovao izany. DH: "Nandanja ny volafotsy mitovy amin'ny fandanjana mahazatra ny mpivarotra izany izy"
Makpela no anaran'ilay toerana na faritra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.
Anarana hafa iantsoana ny tanànan'i Hebrona izany. Mety nampitondraina ny anaran'i Mamre izany, ilay naman'i Abrahama nonina tao.
Izany andian-teny izany dia manazava izay tian'ny mpanoratra ambara raha nanoratra ny hoe: "ny sahan'i Efrona" izy. Tsy ny saha ihany no ambarany amin'izany , fa ny lava-bato sy ireo hazo ao amin'ny saha ihany koa.
"lasa fananan'i Abrahama raha nividy izany izy" na "lasa an'i Abrahama tao aorian'ny nividianany an'izany"
Eto ny "fanatrehana" dia milaza ny olona izay natao toy ny vavolombelona. DH: " niaraka tamin'ireo olon'i Heta nanatri-maso toy ny vavolombelona"
Eto ny "zanaka lahy" dia ilazana ireo taranak'i Heta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3. DH: "ireo taranak'i Heta"
Milaza ireo zanaka lahin'i Heta izay nahita an'i Abrahama nividy ilay saha (fananana). Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:10.
Ny vavahadin'ny tanàna dia toerana izay hihaonan'ireo mpitarika ny tanàna handraisana ireo fanapahan-kevitra manan-danja.
"ny tanàna izay honenany." Izany andian-teny izany dia maneho fa ao anisan'ny olona ao an- tanàna i Efrona. Tsy midika anefa izany fa tompon'izany izy.
"Tao aorian'ny nividianany ny saha"
"ilay lava-bato tao amin'ilay saha"
"ilay saha ao Makpela"
Ireo mety ho heviny dia 1)anarana hafa iantsoana an'i Mamre ny hoe: 'Hebrona' na 2)Hebrona no niantsoana an'i Mamre teo aloha na 3)tena teo akaikin'i Hebrona ilay tanàn-dehibe midadasika i Mamre, koa dia mahazatra ny olona ny miantso izany hoe: Hebrona.
"lasa fananan'i Abrahama ho tany fandevenana raha nividy izany avy amin'ireo zanaka lahin'i Heta izy"
Eto ny "zanaka lahy" dia ilazana ireo taranak'i Heta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:3. DH: "ireo taranak'i Heta"
1 Ary efa tena antitra tokoa Abrahama ary notahian'Andriamanitra tamin'ny zavatra rehetra. 2 Hoy Abrahama tamin'ny mpanompony, izay zokiny indrindra teo amin'ny ankohonany ary nanapaka teo amin'ny izay rehetra nananany hoe: "Apetraho eo ambanin'ny feko ny tananao 3 ary asaiko mianiana amin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany ianao, mba tsy haka vady ho an'ny zanako lahy avy amin'ireo zanaka vavin'ny Kananita, eo amin'ireo izay hanorenako ny fonenako. 4 Fa handeha ho any amin'ny fireneko ianao, any amin'ireo havako, ka makà vady ho an'Isaka zanako lahy." 5 Hoy ilay mpanompo taminy hoe: "Ahoana raha tsy vonona ny handeha hanaraka ahy ho aty amin'ity tany ity ilay vehivavy? Tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina any amin'ny tany niavianao ve aho?" 6 Dia hoy Abrahama taminy hoe: "Mahazò antoka ny tsy hitondranao ny zanako lahy hiverina any! 7 Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra, izay naka ahy avy tao an-tranon'ny raiko sy avy tany amin'ny tanin'ny havako, sady nampanantena ahy tamin'ny fianianana manetriketrika nilaza hoe: 'Omeko ho an'ny taranakao ity tany ity,' Izy no haniraka ny anjeliny hialoha anao, ary hahita vady ho an'ny zanako any ianao. 8 Saingy raha tsy vonona ny hanaraka anao ilay vehivavy, dia ho afaka amin'ny fianianako ianao. Tsy tokony hitondra ny zanako miverina any fotsiny ianao." 9 Koa nametraka ny tanany tao ambanin'ny fen'i Abrahama tompony ilay mpanompo, ary nianiana mahakasika izany raharaha izany. 10 Naka folo tamin'ny ramevan'ny tompony ilay mpanompo ary nandeha. Nitondra ireo karazam-panomezana rehetra avy tamin'ny tompony ihany koa izy. Niainga izy ka nandeha tany amin'ny faritr'i Arama Naharaima, tany amin'ny tanànan'i Nahora. 11 Nataony nipetraka teny ivelan'ny tanàna teo akaikin'ny fatsakan-drano ireo rameva. Hariva tamin'izany, fotoana fivoahan'ny vehivavy hatsaka rano. 12 Hoy izy avy eo hoe: "Yaveh, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, omeo ahy anio ny fanambinana ary asehoy ny tsy fivadiham-panekena amin'i Abrahama tompoko. 13 Indro, inty aho mitsangana eto akaikin'ny loharano, ary mivoaka mba haka rano ireo zanaka vavin'ny olon'ny tanàna. 14 Aoka ho tanteraka tahaka izao izany. Rehefa milaza amina vehivavy iray aho hoe: 'Mba ampidino re ny sininao mba hafahako misotro,' ka miteny amiko izy hoe: 'misotroa, ary homeko rano ihany koa ireo ramevanao,' dia aoka ho izy ilay iray izay notendrenao ho an'Isaka mpanomponao. Amin'izany no hahitako fa nampiseho tsy fivadiham-panekena tamin'ny tompoko Ianao." 15 Ary mbola tsy nahavita niteny akory aza izy, dia indro, nivoaka niaraka tamin'ny sinin-dranony teo an-tsorony i Rebeka. Rebeka dia naterak'i Betoela, zanaka lahin'i Milka, vadin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama. 16 Tsara tarehy tokoa ilay tovovavy sady virijiny. Tsy mbola nisy lehilahy nandry taminy. Nandeha nidina teny amin'ilay loharano izy ka nameno ny sininy, ary niakatra. 17 Ary nihazakazaka mba hihaona aminy ilay mpanompo ary niteny hoe: "Mba omeo rano kely ho sotroina amin'ny sininao re aho." 18 Hoy izy hoe: "Misotroa, tompoko," ary nampidininy faingana ho eo an-tanany ilay siny, ka nomeny rano izy. 19 Rehefa avy nanome ho sotroina ho azy izy, dia niteny hoe: "Hisintomako rano ihany koa ireo ramevanao, ambara-pisotron'izy ireo hatramin'ny farany." 20 Koa nahidiny faingana ary noritrainy ny rano tao anaty sininy ho eo amin'ny tavy fisotroana, ary niverina nihazakazaka nankeo amin'ny fantsakana mba haka rano izy, ary naka rano ho an'ireo ramevany rehetra. 21 Nandinika azy mangingina ilay lehilahy mba hahitany raha nanambina ny diany Yaveh na tsia. 22 Rehefa avy nisotro rano ireo rameva, dia namoaka kavin'orona volamena milanja antsasaka sekely, sy firavaka volamena anankiroa fanao amin'ny sandry milanja folo sekely ralehilahy, 23 ary nanontany hoe: "Zanaka vavin'iza moa ianao? Mba lazao ahy, misy efitra mba handanianay ny alina ve ao an-tranon'ny rainao?" 24 Hoy izy taminy hoe: "Zanaka vavin'i Betoela zanaka lahin'i Milka, izay naterany tamin'i Nahora aho." 25 Hoy ihany koa izy taminy hoe: "Ary manana mololo sy vilona be dia be ihany koa izahay, ary toerana ho anareo mba handaniana ny alina." 26 Avy eo dia niankohoka ilay lehilahy ary nitsaoka an'i Yaveh. 27 Hoy izy hoe: "Deraina anie Yaveh, ilay Andriamanitr'i Abrahama tompoko, izay tsy nahafoy ny tsy fivadiham-panekeny sy ny fahamendreham-pitokisany nanoloana ny tompoko. Raha ny amiko, dia nentin'i Yaveh mivantana tao an-tranon'ny havan'ny tompoko aho." 28 Avy eo nihazakazaka ilay tovovavy ary nitantara tamin'ny ankohonan-dreniny momba izany zavatra rehetra izany. 29 Ary nanana anadahy i Rebeka, Labana no anarany. Nihazakazaka nankany amin'ilay lahilahy izay teny an-dalana tany ivelany teo akaikin'ny fantsakana i Labana. 30 Rehefa nahita ny kavin'orona sy ireo firavaka teo amin'ny sandrin'ny anabaviny izy, ary rehefa nandre ny tenin'i Rebeka anabaviny hoe: "Izao no nolazain'ilay lehilahy tamiko," dia nankany amin'ilay lehilahy izy, ary indro, nijoro niaraka tamin'ireo rameva teo akaikin'ny fantsakana izy. 31 Dia hoy Labana hoe: "Avia, ianao ry voatahin'i Yaveh. Nahoana ianao no mijoro eny ivelany eny? Efa nanomana ny trano, ary ny toeran'ireo rameva aho." 32 Koa dia niditra tao an-trano ilay lehilahy ary nampidina ny entana teo amin'ireo rameva izy. Nomena mololo sy vilona ireo rameva, ary nisy rano novatsiana hanasana ny tongony sy ny tongotr'ireo lehilahy izay niaraka taminy. 33 Nandroso sakafo teo anoloany ho hanina izy ireo, saingy hoy izy hoe: "Tsy hihinana aho raha tsy efa voalazako izay tokony hambarako." Koa dia hoy Labana hoe: "Lazao ary." 34 Hoy izy hoe: "Mpanompon'i Abrahama aho. 35 Nitahy azy tokoa Yaveh ary nanjary lasa olona manam-be izy. Nanome azy ondry aman'osy sy omby, volafotsy sy volamena, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ary rameva sy boriky Izy. 36 Saraha, vadin'ny tompoko, dia niteraka zaza lahy ho an'ny tompoko tamin'ny fahanterany, ary nomeny azy avokoa ny zavatra nananany. 37 Nasain'ny tompoko nianiana aho, tamin'ny nilazany hoe: 'Ianao tsy mahazo maka vady ho an'ny zanako lahy avy amin'ireo zanaka vavin'ny Kananita, izay nataoko fonenana ny taniny. 38 Fa kosa, tsy maintsy mandeha mankany amin'ny fianakavian-draiko ianao, ary any amin'ireo havako, ka haka vady ho an'ny zanako.' 39 Hoy aho tamin'ny tompoko hoe: 'Mety tsy hanaraka ahy ilay vehivavy.' 40 Fa hoy kosa izy tamiko hoe: 'Yaveh, izay andehanako eo anoloana, dia haniraka anjely hiaraka aminao ary hanambina ny lalanao izy, mba hahazoanao vady ho an'ny zanako lahy eo amin'ireo havako sy avy amin'ny firazanan'ny raiko. 41 Saingy ho afaka amin'ny fianianako ianao raha mankany amin'ireo havako ka tsy hanome azy ho anao izy ireo. Dia ho afaka amin'ny fianianako ianao.' 42 Koa dia tonga teo amin'ny loharano aho androany, ary niteny hoe: "Yaveh o, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, aoka re, raha tena manao izay hanambinana ny diako tokoa Ianao— 43 indro aho, mijoro eto akaikin'ny loharano—aoka izay tovovavy mivoaka hantsaka rano, izay vehivavy hilazako hoe: "Mba omeo rano kely amin'ny sininao re aho mba ho sotroina," 44 izay vehivavy milaza amiko hoe: "Misotroa, ary haka rano ho an'ny ramevanao ihany koa aho,"—aoka ho izy ilay vehivavy izay nosafidianao, ry Yaveh, ho an'ny zanaka lahin'ny tompoko.' 45 Raha mbola tsy nahavita niteny tao am-poko akory aho, dia indro, nivoaka niaraka tamin'ny sininy teo an-tsorony i Rebeka ary nandeha nidina ho eo amin'ny loharano izy ka naka rano. Ka hoy aho taminy hoe: 'Mba omeo rano re aho.' 46 Nampidina faingana ny sininy avy teo an-tsorony izy ary nilaza hoe: 'Misotroa, ary hanome rano ho an'ny ramevanao ihany koa aho.' Koa dia nisotro aho, ary nomeny rano ihany koa ireo rameva. 47 Nanontany taminy aho ary niteny hoe: 'Zanak'iza moa ianao?' Hoy izy hoe: 'Zanaka vavin'i Betoela, zanak'i Nahora, izay naterak'i Milka taminy.' Dia napetrako teo amin'ny orony ny kavina ary teo amin'ny sandriny ireo ravaka. 48 Avy eo aho niankohoka ka nihoby an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny tompoko, izay nitondra ahy tamin'ny lalana marina mba hahita ny zanaka vavin'ny havan'ny tompoko ho an'ny zanany lahy. 49 Koa ankehitriny, raha vonona ny hitondra ny tompoko amin'ny fitokiam-pianakaviana sy fahamendreham-pitokiana ianareo, dia ambarao amiko. Kanefa raha tsy izany, dia lazao ahy, mba hitodiako miankavia na miankavanana." 50 Avy eo Labana sy Betoela namaly ka nanao hoe: "Avy amin'i Yaveh izany zavatra izany; tsy afaka ny hilaza aminao na ratsy na tsara izahay. 51 Indro, eo anoloanao i Rebeka. Ento izy ary mandehana, mba ho vadin'ny zanaky ny tomponao, araka ny nolazain'i Yaveh." 52 Rehefa nandre ny tenin'izy ireo ilay mpanompon'i Abrahama, dia niankohoka tamin'ny tany teo amin'i Yaveh izy. 53 Nitondra karazan-javatra volafotsy sy karazan-javatra volamena ilay mpanompo, ary fitafiana, ka nomeny ho an'i Rebeka ireo. Nanolotra fanomezana sarobidy ho an'ny anadahiny sy ny reniny ihany koa izy. 54 Avy eo dia nihinana sy nisotro izy sy ireo lehilahy izay niaraka taminy. Nitoetra tao nandritry ny alina izy ireo, ary rehefa nifoha maraina, dia hoy izy hoe: "Alefaso any amin'ny tompoko aho." 55 Hoy ny anadahiny sy ny reniny hoe: "Avelao mba hitoetra miaraka aminay mandritry ny andro vitsivitsy ny tovovavy, mba folo andro farafahakeliny. Aorian'izany dia afaka mandeha izy." 56 Fa hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Aza hazonina aho, satria nanambina ny lalako Yaveh. Alefaso amin'ny lalako aho mba hafahako mandeha any amin'ny tompoko." 57 Hoy izy ireo hoe: "Hiantso ny tovovavy izahay ary hanontany azy." 58 Koa dia niantso an'i Rebeka izy ireo ary nanontany taminy hoe: "Handeha hiaraka amin'io lehilahy io ve ianao?" Dia namaly izy hoe: "Handeha aho." 59 Koa dia nalefan'izy ireo tamin'ny diany niaraka tamin'ny mpanompon'i Abrahama sy ireo olony i Rebeka anabaviny, niaraka tamin'ny mpanompo vaviny. 60 Nitso-drano an'i Rebeka izy ireo, ary nilaza taminy hoe: "Ranabavy, ho renin'ny aman'arivony sy aman'aliny anie ianao, ary ho tompon'ny vavahadin'ireo izay mankahala azy anie ireo taranakao." 61 Avy eo nitsangana Rebeka, ka nitaingina ny rameva izy sy ireo mpanompo vaviny, ary nanaraka ilay lehilahy. Koa nentin'ilay mpanompo i Rebeka, ary roso tamin'ny lalany izy. 62 Ary nipetraka tany Negeva Isaka, ary vao niverina avy tany Bera-lahai-roy. 63 Nandeha nivoaka hariva mba hivavaka tany an-tsaha Isaka. Rehefa niandrandra izy dia nahita, indreny, nisy rameva tamy! 64 Nitazana Rebeka, ary rehefa nahita an'i Isaka izy, dia nitsambikina nidina avy teo amin'ny rameva. 65 Hoy izy tamin'ilay mpanompo hoe: "Iza iny lehilahy tonga hitsena antsika avy eny an-tsaha iny?" Namaly ilay mpanompo hoe: "Iny no tompoko." Koa nalain'i Rebeka ny voaliny, ary nosaronany ny tenany. 66 Namerina nitantara tamin'Isaka ny zavatra rehetra nataony ilay mpanompo. 67 Ary nitondra azy tao an-dain'i Saraha reniny i Isaka ka naka an'i Rebeka, dia lasa vadiny izy, ary tiany. Koa nionona Isaka taorian'ny fahafatesan-dreniny.
Nampiasaina izany teny izany mba hanamarihana ny fiatoana ao amin'ny tena fizotran'ny tantara. Eto ny mpanoratra dia manomboka miresaka fizaran-tantara vaovao amintsika.
Mikasa ny hampianina ilay mpanompony hanao zavatra iAbrahama. Ny manao ny tanany ao ambanin'ny fen'i Abrahama dia maneho fa tena hanao tokoa izay hianianany izy.
Azo atao toy ny baiko izany. DH: "mianiàna" na "manaova fianianana"
Ny teny hoe: "mianiana amin'i" dia midika fampiasana anaran-javatra na olona ho fototra na hery amin'ny fanaovana ny fianianana." "mianianà amiko amin'ny fanatrehan'i Yaveh ho vavolombelona"
"ilay Andriamanitry ny lanitra sy ny tany." Ny teny hoe: "lanitra" sy "tany" dia nampiasaina niaraka mba ilazana ny zavatra rehetra izay noharian'Andriamanitra. DH: "ilay Andriamanitrin'ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany"
Ilazana ny toerana honenan' Andriamanitra izany.
"avy amin'ireo vehivavy Kananita" na "avy amin'ireo Kananita." Ilazana ireo vehivavin'ny Kananita izany.
"eo amin'ireo izay hitoerako." Eto ny mpisolo tena tampisaka "ko" = izaho dia milaza an'i Abrahama sy ny fianakaviany rehetra ary ireo mpanompony. DH: "eo amin'ireo izay hitoeranay"
Azo atao toy ny baiko izany. DH: "mianiàna fa handeha ianao" na "kanefa mandehana"
"ny fianakaviako"
"Ahoana ny tokony ataoko raha"
"tsy hanaraka ahy" na "handà ny hiverina hiaraka amiko"
"Ho entiko honina any amin'ny tany izay nihavianao ve ny zanakao lahy"
Ny andian-teny hoe: "Mahazò antoka" dia manindry ny baiko izay ao aoriany. "Tandremo mba tsy hitondra ny zanako lahy hiverina any" na "'azonao antoka ny tsy hitondranao ny zanako lahy hiverina any"
Eto ny "trano" dia ilazana ny olona ao anatin'ny tranony. DH: "izay naka ahy avy tao amin'ny raiko sy ny sisam-pianakaviako"
"mianiàna ary manaova voady amiko"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "nilaza fa hanome ity tany ity ho an'ny taranako"
Ny teny hoe "Izy " sy ny mpisolo tena tampisaka "..ny" dia ilazana an'i Yaveh.
Ny andininy 8 dia fanohizana ny toro-lalana izay nomen'i Abrahama ny mpanompony.
"Saingy raha mandà ny handeha hiaraka aminao ilay vehivavy." Namaly ny fanontanian'ilay mpanompony Abrahama manomboka eo amin'ny 24:5
"dia ho votsitra amin'ny fianianana izay nataonao tamiko ianao." Ny hoe afaka tsy manantanteraka ny fianianana dia resahina toy ny olona izay malalaka amin'ny zavatra izay namatotra azy. DH: "tsy voatery manao izay nianiananao ho atao tamiko ianao"
Maneho izany fa tena hanao tokoa izay hianianany hatao izy.
"nanao fianianana taminy"
"mahakasika ny fangatahan'i Abrahama" na "fa hanao izay nambaran'i Abrahama izy"
Miantomboka amin'ny "Nitondra ihany koa" ny fehezanteny mba hanome fanampin'andinindininy mahakasika izay zavatra nentin'ilay mpanompo niaraka taminy nandritra ny diany. Nanagona izany izy mialohan'ny niaingany.
Midika izany fa nitondra zava-tsoa maro izay tian'ny tompony homena ny fianakavian'ilay vehivavy koa izy.
"lasa ka nandeha" na "niala ka nandeha"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny tanàna izay nonenan'i Nahora" na 2) "ny tanàna izay nantsoina hoe Nahora." Raha azonao atao ny mandika izany tsy an-kifidy hevitra, dia ataovy izany.
Biby avo manana tongotra roa lava ny rameva. Nataony namoritra ny tongony ary nametraka ny vatany tamin'ny tany izy ireo. "Nataony nipetraka ireo rameva"
"fatsakana rano" na "fatsakana" (UDB)
"maka rano" (UDB)
"Hoy ilay mpanompo avy eo"
Azonao ampiasaina ny mpampitohy "amin'ny". Manazava ny amin'ny tian'ilay mpanompo hanehoan'Andriamanitra ny tsy fivadiham-panekena izany. DH: "asehoy ny tsy fivadiham-panekena amin'i Abrahama tompoko amin'ny fanambinana ahy anio"
Eto ny teny hoe "Indro" dia manampy amin'ny fanasongadinana izay manaraka.
"ny loharano" na "fatsakana"
"ireo tovovavin'ny tanàna"
"Aoka hitranga tahaka izany" na "Ataovy mitranga"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Rehefa manontany tovovavy iray ny hamelany ahy hisotro amin'ny rano avy amin'ny sininy"
Fanaon'ireo vehivavy ny mitondra ny sinin'izy ireo amin'ny sorony. Tsy maintsy mampidina izany izy raha hanome rano ho sotroin' ilay lehilahy.
siny antonitoniny izay vita amin'ny tanimanga izay nampiasaina hitazomana sy handrarahana ranon-javatra
Afaka atao izany hoe: DH: "koa satria nahatoky tamin'ny tompoko ianao nohon'ny fanekena"
Nampiasaina izany teny izany eto mba hanamarihana ny toerana izay niantombohan'ny tantara. Raha manana fomba fanaovana izany ny fiteninao, dia mihevera ampiasa izany eto.
Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika hitandrina tsara ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka.
siny antonitoniny izay vita amin'ny tanimanga izay nampiasaina hitazomana sy handrarahana ranon-javatra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 24:12.
"Betoela no rain'i Rebeka. Ny ray aman-drenin'i Betoela dia i Milka sy Nahora. Nahora rahalahin'i Abrahama"
Rain'i Rebeka i Betoela. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:20.
Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 11:22.
vadin'i Nahora i Milka ary renin'i Betoela. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 11:29.
Ilay loharano dia ambanimbany nohon'ny fiakarana izay nijoroan'ilay mpanompo.
"mba hihaona amin'ilay tovovavy"
"rano kely"
siny antonitoniny izay vita amin'ny tanimanga izay nampiasaina hitazomana sy handrarahana ranon-javatra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 24:12.
"tompoko." Eto ilay vehivavy dia mampiasa izany fomba fiteny maneho fanajana izany mba ilazana an-dralehilahy, na dia tsy andevony aza izy.
"nampidininy faingana ny sininy." Nitondra ilay siny teny an-tsorony izy. Tsy maintsy mampidina izany izy mba hanomezana rano ilay mpanompo.
"haka rano aho"
"Malaky tokoa ny nandritrainy / nandrarahany ny rano tao anaty sininy"
"ilay tavy fisotroanan'ireo 'biby'"(UDB). Ny tavy fisotroana dia fitoeran-drano hasiana ny rano ho sotroin'ireo biby.
"Ilay mpanompo" (UDB)
"Nandinika an'i Rebeka" na "Nandinika ilay tovovavy"
Ny mianatra zavatra dia resahina foana toy ny hoe mahita. DH: "mahafantatra" (UDB) na "mamaritra"
"nahatanteraka ny tanjon'ny diany" na "nampahomby ny diany." Azonao azavaina izay tian'ilay mpanompo ho faritana. DH: "nahita an'ilay vehivavy izay ho lasa vadin'i Isaka"
Azonao atao mazava ny hevitra ambadik'izany: DH: "na tsy nanambina ny diany"
"kavin'orona volamena milanja enina grama" (UDB). Ny lanja dia maneho ny hasarobidin'ilay kavina. DH: "kavin'orona volamena lafo vidy"
"ny firavaka volamena anankiroa fanao amin'ny tanana ho azy dia milanja 110 grama." Ny lanjan'izy ireo dia maneho ny hasarobidiny. DH: "firavaka volamena anankiroa lehibe fanao amin'ny sandry ho azy" (UDB)
"iza no rainao"
"misy toerana ve ao an-tranon'ny rainao"
Misy lehilahy hafa niara nandeha tamin'ny mpanompon'i Abrahama tokoa. Eto ny "izahay" dia ilazana ilay mpanompo sy ireo izay niaraka nanao ny dia taminy.
"hijanona amin'ny alina" na "hijanonana mandritra ny alina"
"niteny i Rebeka hoe" na "ilay tovovavy niteny hoe"
"tamin'ilay mpanompo"
"i Betoela noraiko, ary i Milka sy Nahora no ray aman-dreniny"
Mazava avy amin'izany fa ho an'ireo rameva ireo mololo sy vilona. Afaka ataonao mazava ny hevitra fonosin'izany fampahafantarana izany. DH: "Manana mololo sy vilona betsaka ho an'ireo rameva izahay"
"ho anareo mba hijanonana mandritry ny alina" na "izay afaka hitoeranareo mandritry ny alina"
Eto ny "ianareo" dia ilazana ilay mpanompo sy ireo izay niaraka nanao ny dia taminy.
"ilay mpanompo" (UDB)
Famataram-panetre-tena eo anatrehan'Andriamanitra izany.
"tsy nitsahatra naneho ny tsy fivadiham-panekeny sy ny fahamendreham-pitokisany tamin'ny tompoko." Afaka atao izany hoe: DH: "mbola nanohy ny hahatoky sy tsy mivadika nohon'ny fanekeny tamin'ny Tompoko"
Afaka atao izany hoe: DH: "manohy maneho"
"fianakaviana" na "fianakaviambe"
Eto ny "ankohonana" dia ilazana ny olona rehetra izay mipetraka ao an-tranon'ny reniny. DH: "nihazakazaka ho any an-trano ary niteny tamin-dreniny sy ny olona rehetra tao"
"ny zavatra rehetra izay nitranga"
Nampiasaina izany teny izany mba hanamarihana ny fiatoana ao amin'ny tena fizotran'ny tantara. Eto ny mpanoratra dia manomboka miresaka fizaran-tantara vaovao amintsika.
Nitranga talohan'ny nihazakazahany nankeny amin'ilay lehilahy ireo zavatra ireo. Milaza ny antony nihazakazahan'i Labana teny amin'ilay lehilahy izany.
Afaka atao izany hoe: DH: "rehefa nandre ny fitataran'i Rebeka anabaviny mahakasika izay nambaran'ilay lehilahy taminy izy"
"marina tokoa." Ny teny "indro" dia manampy manasongadina izay manaraka.
"mandroso" na "Midira"
"ianao izay notahin'i Yaveh"
Eto ny teny hoe "ianao" dia ilazana ny mpanompon'Abrahama.
Mampiasa izany fanontaniana izany Abrahama mba hanasana ny mpanompon'i Abrahama hiditra ao an-trano. Azo atao toy ny fanambarana izany fanontaniana izany. DH: "tsy tokony mijanona any ivelany ianao."
Ny teny hoe: "niditra" dia azo adika hoe "nandeha."
Tsy tena mazava loatra izay nanao izany asa izany. Afaka atao izany hoe: "nampidina ny entana teo amin'ireo rameva ireo mpanompon'i Labana" (UDB) na "nampidinina ireo entana amin'ireo rameva"
Tsy milaza izay nanao izany asa izany. Ampiasao ho lazaina ny hoe: "ireo mpanompon'i Labana". DH: "nomen'ireo mpanompon'i Labana mololo sy vilona ireo rameva, ary namatsy rano izy ireo "
"ho an'ilay mpanompon'i Abrahama sy ireo lehilahy izay niaraka taminy hanasany ny tongotr'izy ireo"
Eto, ny teny hoe"izy ireo" dia ilazana ireo ao anatin'ny fianakavian'i Labana na ireo mpanompo ao an-tokantrano
"nanome sakafo ilay mpanompo"
"nilaza ireo teniko" na "hilaza aminareo izay anton-diako eto"
Eto ny teny hoe: "izy" dia ilazana an'i Abrahama.
"tonga mpanakarem-be"
Ny teny hoe: "Izy" dia ilazana an'Yaveh.
Nanohy niresaka tamin'ny fianakavian'i Rebeka ilay mpanompon'i Abrahama.
"niteraka zaza lahy"
"nomena ny tompoko ... ho an'i zanany lahy"
"Nasain'ny tompoko nianiana aho fa hanao izay asainy hataoko. Hoy izy hoe"
Ilazana ireo vehivavy Kananita izany. DH: "avy amin'ireo vehivavy Kananita" na "avy amin'ireo Kananita"
"eo amin'ireo izay hitoerako." Eto ny mpisolo tena tapisaka "...ko" na "izaho" dia ilazana an'i Abrahama sy ireo fianakaviany ary ireo mpanompony. DH: "eo amin'ireo izay hitoeranay"
"any amin'ny fianakaviambeko" (UDB)
Nanohy niresaka tamin'ny fianakavian'i Rebeka ilay mpanompon'i Abrahama.
Zavatra izay mety hitranga tokoa izany. DH: "Ahoana raha tsy mety miverina miaraka amiko ilay vehivavy." na "Inona no tokony hataoko raha tsy mety miverina miaraka amiko ilay vehivavy?"
Ny manompo an'i Yaveh dia resahina toy ny mandeha eo anoloan'ny fanatrehan'i Yaveh i Abrahama. DH: "Izay tompoko"
"hampahomby ny dianao Izy"
"fianakaviana"
Zavatra mety hitranga izay tsy dia ninoan'i Abrahama loatra ny hisehoany. Ireo mety ho heviny dia 1) "Fomba iray ihany no hahafahanao miala amin'ny fianianako: raha mankany amin'ireo havako ianao ary tsy manome azy ho anao izy ireo, dia ho afaka amin'ny fianianako ianao" na 2) miainga amin'ny andininy faha 40, "raha mandeha any amin'ny fianakavian-draiko ianao ary manontany vehivavy amin'izy ireo, dia efa nanao izay nasaiko natao. Raha tsy manome azy ho anao izy ireo, dia ho afaka amin'ny fianianana izay nianiananao tamiko ianao."
"dia ho votsitra amin'ny fianianana izay nataonao tamiko ianao." Ny hoe afaka tsy manantanteraka ny fianianana dia resahina toy ny olona izay malalaka amin'ny zavatra izay namatotra azy. DH: "tsy voatery manao izay nianiananao ho atao tamiko ianao"
Misy ireo fiteny izay mampiasa ny teny hoe tonga sy mandeha amin'ny fomba samy hafa. DH: "Raha tonga ao amin'ireo havako ianao' tranoko" na "raha mandeha any amin'ireo havako ianao"
Nanohy niresaka tamin'ny fianakavian'i Rebeka ilay mpanompon'i Abrahama.
"ny fatsakana"
Natsahatr'ilay mpanompo izay nasainy nataon'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fisintonana ny fifantohan'Andriamanitra ho amin'ny toerana izay nijoroany.
Miverina mametraka ny fangatahany ilay mpanompo, ary manana zavatra telo holazaina mahakasika ilay vehivavy izay hantenainy ho avy.
"haka rano"
siny antonitoniny izay vita amin'ny tanimanga izay nampiasaina hitazomana sy handrarahana ranon-javatra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 24:12.
Namarana ny fangatahany ilay mpanompo.
Nanohy niresaka tamin'ny fianakavian'i Rebeka ilay mpanompon'i Abrahama.
Ny mivavaka mangina ao an-tsaina dia resahina toy ny hoe miresaka ao am-pony izy. Ny teny hoe: "fo" dia ilazana ny eritreriny sy ny fisainany. DH: "mivavaka" (UDB) na "mivavaka mangina"
"iny tokoa" na "tampoka teo." Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra ny fifantohantsika ho amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka.
siny antonitoniny izay vita amin'ny tanimanga izay nampiasaina hitazomana sy handrarahana ranon-javatra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 24:12.
Nampiasaina ny andian-teny hoe: "nandeha nidina" satria ny loharano dia any ambanimbany kely noho izay nitsanganan'ilay mpanompo.
"fantsakana"
"nanome rano ireo rameva"
Nanohy niresaka tamin'ny fianakavian'i Rebeka ilay mpanompon'i Abrahama.
"Betoela no raiko. I Nahora sy Milka no ray aman-dreniny"
Voalaza ao amin'io tantara io, fa vita amin'ny volamena avokoa ireo zavatra ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 24:21.
Famataram-panetre-tena eo anatrehan'i Andriamanitra izany.
"nitondra ahy eto"
Ny mpampitohy "satria" dia afaka ampiasaina mba hanehoana ny antony nideran'ilay mpanompo an'Andriamanitra. DH: "satria Yaveh nitondra ahy"
Ilazana an'i Betoela, zanaka lahin'i Nahora rahalahin'i Abrahama izany.
Nanohy niresaka tamin'ny fianakavian'i Rebeka ilay mpanompon'i Abrahama.
"Ankehitriny" (UDB). Eto ny "ankehitriny" dia tsy midika hoe "amin'izao fotoana izao," fa kosa nampiasaina mba hisarihana ny fifantohana ho amin'ny teboka manan-danja izay ho avy manaraka.
Azo atao mazava ny amin'ny fomba hanehoan'izy ireo ny fahatokiana sy ny fahamendreham-pitokiana. DH: "lazao ahy raha mahatoky sy ho mendri-pitokiana ny tompoko ianareo amin'ny fanomezana an'i Rebeka ho vadin'ny zanany lahy"
Ny teny hoe "ianareo" dia ilazana an'i Labana sy Betoela.
Afaka atao izany hoe: "mahatoky sy mendrim-pitokiana"
Fahatokiana eo amin'ny mpianakavy izany.
Ny hevitra ambadik'izany dia azo atao mazava hoe: DH: "Kanefa raha tsy vonona ny hitondra ny tompoko amin'ny fitokiam-pianakaviana sy fahamendreham-pitokiana ianareo"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny manapaka izay tokony atao dia resahina toy ny olona izay mitodika amin'ny lalana iray na mankany amin'ny lalana iray hafa. DH: "mba hahafantarako izay tokony atao" na 2) tian'ilay mpanompo ho fantatra raha mila manohy ny dia any amin'ny toeran-kafa izy. DH: "mba hahafahako manohy ny diako"
Rain'i Labana sy Rebeka izy.
"nampitranga izao zavatra rehetra izao i Yaveh"
Milaza izy ireo fa tsy manana fahefana hitsara ho soa na ratsy ny amin'izay nataon'Andriamanitra. DH: "tsy sahinay ny hitsara izay ataon'i Yaveh"
Ny teny hoe "Indro" eto dia manasongadina izay manaraka azy.
"indro i Rebeka"
"ny tenin'i Labana sy Betoela." Eto ny teny dia manambara izay nolazain'izy ireo. DH: "izay nolazain'i Labana sy Betoela"
Ny miankohoka amin'ny tany eo anatrehan'Andriamanitra dia fomba filaza ny fanomezam-boninahitra azy.
"zavatra volafotsy sy volamena" na "zavatra natao tamin'ny volafotsy sy volamena"
"fanomezana lafo" na "fanomezana manan-danja"
"ny mpanompon'i Abrahama sy ireo lehilahy niaraka taminy"
"natory tao tamin'iny alina iny"
"nifoha ny ampitson'iny"
"Aoka aho handao ary hiverina"
"mbola misy folo andro farafahakeliny"
"10"
"ary dia"
"ny mpanompon'i Abrahama niteny hoe"
"tamin'ny reny sy anadahin'i Rebeka"
"aza manao izay hahataraiky ahy" (UDB) na "Aza ampiandrasana aho"
Eto ny "lalana" dia ilazana ny dia. DH: "nampahomby ny tanjon'ny diako i Yaveh"
"avelao aho hanainga"
Koa dia nalefan'ny fianakaviana i Rebeka"
Anabavin'i Labana i Rebeka. DH: "ny havan'izy ireo" na "ny anabavin'i Labana"
Ilazana ny mpanompo vavy izay namahana an'i Rebeka raha vao kely izy, nikarakara azy fony izy mbola zaza, ary mbola manompo azy hatrany.
Tsy anabavin'ny olona rehetra tao amin'ny tranony i Rebeka. Kanefa niantso azy toy izany izy ireo mba hanehoana fa tian'izy ireo izy. DH: "Rebeka malalanay"
Eto ny "reny" dia entina milaza ny razambe. DH: "ho razamben'ny olona an-tapitrisany anie ianao" na "hanana taranaka maro tokoa anie ianao"
Ny heviny dia hoe: tsy tambo isaina.
Ireo tafika dia hamaky avy eo amin'ny vavahadin'ireo tananàn'ny fahavalon'izy ireo ary handresy ny olona. DH: "Tena handresy tanteraka ireo izay mankahala azy anie ireo taranakao"
"Ary dia nandeha i Rebeka sy ireo mpanompo vaviny ka nitaingina ireo rameva"
"Tamin'izany fomba izany no nangalan'ilay mpanompon'i Abrahama an'i Rebeka hiaraka aminy sy hiverina ho any amin'izay nihaviany"
Manamarika ny fiovan-tantara izany teny izany. Milaza mahakasika ny nahitan'ilay mpanompo vady, ary amin'izao dia hitantara momba an'i Isaka izany.
Anarana lava-drano any Negeva izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 16:13.
"Indray hariva Isaka dia nandeha nivoaka ho any an-tsaha mba handinika." Tsy maintsy hoe fotoana ela tao aorian'ny nialan'ilay mpanompo sy Rebeka tany an-tranony izany satria efa nandeha lalan-davitra izy ireo.
Ny teny hoe: "indreny" eto dia manaitra antsika hiaino tsara ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka eo. "Rehefa nitraka izy dia taitra raha nahita rameva tamy"
"niandrandra i Rebeka"
"nidina faingana avy eo amin'ny rameva"
"koa dia nanarona ny tavany tamin'ny voaliny izy." Famantaram-panajana sy fanetre-tena manoloana ilay lehilahy izay hanambady azy izany. Ny tena hevitr'izany dia azo atao mazava.
Tapa-damba nampiasaina hanaronan'ny olona ny lohany, ny soriny sy ny tavany
Ireo fehezanteny roa ireo dia samy midika fa nanambady an'i Rebeka i Isaka. DH: "ary nanambady an'i Rebeka" na "ary naka azy ho vadiny"
Afaka atao izany hoe: DH: "koa dia nampionona an'i Isaka i Rebeka"
1 Naka vady hafa i Abrahama; Ketora no anarany. 2 Niteraka an'i Zamrana, Joksana, Medana, Midiana, 3 Jisbaka ary Soaha izy. Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ireo taranak'i Dedana dia olona Asorima, olona Letosima, ary Leomima. 4 Efaha no zanaka lahin'i Midiana, Efera, Hanoka, Abida, ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no taranak'i Ketora. 5 Nomen'i Abrahama an'Isaka izay nananany rehetra. 6 Fa kosa, fony mbola velona izy, dia nanome fanomezana an'ireo zanaky ny vaditsindranony ary nandefa azy ireo tany amin'ny tany antsinanana, lavitra an'Isaka, zanany. 7 Ary ny andro niainan'i Abrahama dia 175 taona. 8 Niala aina Abrahama ka maty tratra antitra, lehilahy zokiolona voky andro, ary dia nangonina ho any amin'ireo olony izy. 9 Isaka sy Ismaela, zanany lahy, no nandevina azy tao amin'ilay lava-baton'i Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona zanak'i Zohara Hetita, izay eo akaikin'ny Mamre. 10 Novidian'i Abrahama tamin'ireo zanaka lahin'i Heta izany saha izany. Nalevina tany niaraka tamin'i Saraha vadiny i Abrahama. 11 Tao aorian'ny nahafatesan'i Abrahama, dia nitahy an'i Isaka zanany lahy Andriamanitra, ary Isaka nonina nanakaiky an'i Bera-lahai-roy. 12 Ary ireto ny taranak'Ismaela, zanak'i Abrahama, izay naterak'i Agara Egyptiana, mpanompon'i Saraha, tamin'i Abrahama. 13 Ireto no anaran'ny zanak'Ismaela, araka ny filaharan'ny fahaterahany: Nabaiota—ilay lahimatoan'Ismaela, Kedara, Adbela, 14 Mibsama, Masmà, Domà, Masa, 15 Hadada, Tema, Jetora, Nafisy, ary Kedma. 16 Ireo avy no zanaka lahin'Ismaela, ary ireo ny anaran'izy ireo, araka ny tanànany, sy ny toby misy azy ireo; andrian-dahy roa ambin'ny folo araka ny fokon'izy ireo. 17 Ny andro niainan'i Ismaela dia 137 taona: niala aina izy ary maty, ary dia nangonina ho any amin'ireo olony izy. 18 Nonina tany Havila ka hatrany Sora izy ireo, izay nanakaiky an'i Egypta, ilay iray izay mankany Asyria. Niaina tamin'ny fifankahalana izy ireo. 19 Ireto avy ireo tranga nahakasika an'Isaka, zanaka lahin'i Abrahama: tonga rain'Isaka i Abrahama. 20 Efapolo taona Isaka raha naka vady an'i Rebeka izy, ilay zanaka vavin'i Betoela ilay Syrian'i Padan-Arama, ilay anabavin'i Labana Syriana. 21 Nivavaka tamin'i Yaveh ho an'ny vadiny i Isaka satria momba izy, ary namaly ny vavaka nataony Yaveh, ka nitoe-jaza Rebeka. 22 Niady ireo zaza tao an-kibony, ary nilaza izy hoe: "Nahoana izany no miseho amiko?" Koa nandeha nanontany an'i Yaveh momba izany izy. 23 Nilaza taminy Yaveh hoe: "Firenena roa no ao an-kibonao, ary vahoaka roa no ho sarahana avy ao anatinao. Ny vahoaka iray dia mafimafy kokoa noho ilay hafa, ary ny zokiny dia hanompo ny zandriny." 24 Rehefa tonga ny fotoana hahaterahany, dia indro, nisy kambana tao an-kibony. 25 Nivoaka ny zaza voalohany ary dia mena tanteraka toy ny lamba voloina. Esao no niantsoan'izy ireo azy. 26 Tao aorian'izany, dia nivoaka ny rahalahiny. Nihazona ny voditongotr'i Esao ny tanany. Jakoba no niantsoana azy. Enimpolo taona Isaka raha niteraka azy ireo ny vadiny. 27 Nitombo ireo zaza, ary lasa mpihaza mahay Esao, lehilahy iray tantsaha; kanefa Jakoba dia lehilahy tsy be teny, izay nandany ny fotoany tao an-day. 28 Ary dia Esao no tian'Isaka satria nihinana ireo biby izay voahazany izy, fa i Jakoba kosa no tian'i Rebeka. 29 Ary nahandro hanina i Jakoba. Dia tonga avy tany an-tsaha Esao, ary nalemin'ny hanohanana izy. 30 Hoy Esao tamin'i Jakoba hoe: "Mamelà ahy hihinana amin'ity hanina mena ity. Miangavy re, fa valaka loatra aho!" Izany no antony hilazàna ny anarany hoe Edoma. 31 Nilaza i Jakoba hoe: "Amidio amiko aloha ny fizokianao." 32 Ary hoy Esao hoe: "Jereo, efa ho faty aho. Inona ny soa azoko avy amin'ny fizokiana?" 33 Ary nilaza Jakoba hoe: "mianianà aloha amiko," ka nianiana taminy i Esao ary tamin'izany dia nivarotra ny fizokiany tamin'i Jakoba izy. 34 Nomen'i Jakoba mofo sy hanina vita amin'ny voanemba i Esao. Nihinana sy nisotro izy, ary avy eo dia nitsangana ka nandeha. Tamin'izany fomba izany no nanaovan'i Esao tsinontsinona ny fizokiany.
Ilazana ny anaran'olona tao amin'ny andininy 2-4 izany.
"Nandova izay rehetra nananan'i Abrahama Isaka." Ara-dalana ho an'ny ray ny hizara ny fananany rehefa mby amin'ny fahanterana izy mba tsy hamela ireo hafa hanao izany ao aorian'ny fahafatesany.
"Niaina 175 taona i Abrahama"
"Nitroka ny fofonainy farany Abrahama ary maty." Ny andian-teny hoe " fofonainy farany" na "Niala aina" na "maty" dia milaza zavatra iray ihany. DH: "maty i Abrahama"
Fomba mihaja ilazana ny fahafatesan'ny olona.
Milaza zavatra mitovitovy ihany izany andian-teny roa izany ary manasongadina fa niaina nandritra ny fotoana ela. DH: "rehefa niaina nandritra ny fotoana ela sy efa tena antitra"
Ny lava andro iainana dia resahina toy ny hoe tahaka ny fitoeran-javatra izay mety feno ny fiainana.
Ny heviny dia hoe: tao aorian'ny nahafatesan'i Abrahama, ny fanahiny dia lasa nakany amin'ny toerana izay nisy ireo havany izay efa maty talohany. Afaka atao izany hoe: DH: "nanjohy ireo fianakavina izay efa maty izy"
Nanana saha tao Makpela i Efrona ary ilay lava-bato dia tao anatin'ilay saha. Novidian'i Abrahama tamin'i Efrona ilay saha.
Makpela dia anarana toerana na faritra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.
Anaran-dehilahy ireo. Jereo ny nandikanao ireo anaran-dehilahy ireo ao amin'ny 23:7.
eo akaikin'ny Mamre i Makpela.
Anarana hafa iantsoana ny tanànan'i Hebrona izany. Mety nampitondraina ny anaran'i Mamre izany, ilay naman'i Abrahama nonina tao. Jereo ny nandikanao izany anaran-toerana izany ao amin'ny 23:17.
"Novidian'Abrahama izany saha izany"
"ireo taranak'i Heta" na "ireo Hetita." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:5.
Afaka atao izany hoe: DH: "nandevina an'i Abrahama izy ireo"
"ny zanaka lahin'i Abrahama"
Ny dikan'izany anarana izany dia "ilay fatsakan'ilay velona izay mahita ahy."Jereo ny nandikanao izany anaran-toerana izany ao amin'ny 16:13.
Izany teny izany dia nampiasaina amin'ny teny Anglisy mba hampidirana ny fampahafantarana ny fizaran-tantara vaovao mahakasika an'i Ismaela.
Afaka zaraina ho fehezan-teny roa izany. "Ireo no anaran'ireo roa ambin'ny folo lahy zanak'i Ismaela. Izy ireo dia nitarika ireo foko izay nampitondraina ny anaran'izy ireo, samy nanana ny tanànany sy ny tobiny avy izy ireo"
"12"
Eto ny teny hoe "andrian-dahy" dia midika fa ireo lehilahy ireo dia mpitarika sy mpanapaka ireo foko; tsy midika izany fa zanaka mpanjaka izy ireo.
"Niaina 137 taona i Ismaela"
Ny hoe: "Nitroka ny fofonainy farany" sy "maty" dia milaza zavatra iray ihany. DH: "maty"
Ny heviny dia hoe: tao aorian'ny nahafatesan'i Ismaela, ny fanahiny dia lasa nakany amin'ny toerana izay nisy ireo havany izay efa maty talohany. Afaka atao izany hoe: DH: "nanjohy ireo fianakavina izay efa maty izy"
"Nanorim-ponenana ireo taranany" (UDB)
"teo anelanelan'i Havila sy Sora"
Any amin'ny tany efitr'i Arabia no misy an'i Havila. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:11.
"any amin'ny lalana mankany..."
Ireo mety ho heviny dia 1) "tsy niara-niaina am-pilaminana izy ireo" (UDB), na 2)" nonina lavitra tokoa an'ireo havany hafa izy ireo."
Izany fehezanteny izany dia mampiditra ny tantaran'ireo taranak'i Isaka ao amin'ny Genesisy 25:19-35:29. DH: "Toy izao ny tantaran'ireo taranak'i Isaka, zanaka lahin'i Abrahama"
"40 taona"
"raha nanambady an'i Rebeka izy"
Rain'i Rebeka i Betoela. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:20.
Anarana hafa iantsoana ny faritr'i Mesopotamia izany, izay mitovy amin'izay misy an'i Iraka taty aoriana (Iraka vaovao).
"tsy nety ny ho bevohoka izy"
Afaka atao mazava izany fa nitoe-jaza anankiroa tamin'ny fotoana iray i Rebeka: "i Rebeka vadiny, dia bevohoka zaza kambana"
"ireo zaza tao an-kibony dia nanohy nifanindry" na "nifanosika tao an-kibony ireo zaza"
Bevohoka kambana i Rebeka.
"nandeha ary nanontany an'i Yaveh momba izany izy." Tsy dia mazava loatra izay toerana nandehanany. Mety nandeha tany amin'ny toerana voatokana hivavahana izy, na mety nandeha tany amin'ny toerana fanolorana sorona izy.
"nilaza tamin'i Rebeka hoe"
Asa soratra kanto izany. Raha manana fomba filaza ny hay kanto ny fiteninao, dia azonao atao ny mampiasa izany eto.
Eto ny "Firenena roa" dia ilazana ireo zaza roa. Ny zaza tsirairay dia samy ho rain'ny firenena. DH: "Firenena roa no ho avy amin'ireo kambana ao anatinao ireo"
Eto ny "vahoaka roa" dia ilazana ireo zaza roa. Ny zaza tsirairay dia samy ho rain'ny firenena. Afaka atao izany hoe: DH: "ary rehefa miteraka ireo zaza ireo ianao dia hifandrafy izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ilay zaza zokiny dia hanompo ilay zandriny" na 2) ireo taranak'ilay zokiny dia hanompo ireo taranak'ilay zandriny." Raha azo atao dia adikao izany mba hahazahoan'ny olona izay mety ho heviny.
Ny teny hoe: " indro" eto dia manasongadina izay manaraka azy. "eny tokoa"
Ireo mety ho heviny dia 1) mena ny hodiny ary rakotra volo ny vatany manontolo na 2) rakotra volo mena ny vatany manontolo. DH: "voloina sy mena tahaka ny lamba vita amin'ny hoditra biby"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny anarana hoe Esao dia mitovy fanonona toy ny teny hoe 'voloina.'''
"nitazona ny ivohon'ny tongotr'i Esao"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny anarana hoe Jakoba dia midika hoe 'nihazona ilay voditongotra izy.'''
"60 taona"
"tonga nanam-pahaizana tamin'ny fihazana sy famonoana biby ho atao sakafo"
"lehilahy tony" na "lehilahy tsy dia mihetsika"
Miresaka momba ny fotoana toy ny zavatra tsy misy dikany izay lanilanian'ny olona fatany izany. DH: "izay mandany be loatra ny fotoanany ao an-day"
Nampiasaina izany teny izany mba hanamarihana ny fiovan'ny fifantohana, fiovana avy eo amin'ny fampahafantarana fototry ny tantara mahakasika an'i Isaka sy Rebeka.
Eto ny teny hoe: "tia" dia midika hoe"mankasitraka" na "tia kokoa."
"koa satria nihinana ireo biby izay voahazan'i Esao izy" na "satria nankafy ny henan'ny biby izay voasambotr'i Esao izy"
Koa satria fiandohan'ny tantara mahakasika izay nitranga tamin'izany fotoana, izany, misy ireo mpandika teny izay mety te hanomboka amin'ny fehezan-teny toy ny hoe "Indray andro, Jakoba dia nahandro" mitovitovy amin'ny ao amin'ny UDB.
"nampangotraka sakafo" na "nahandro lasopy." Vita amin'ny rom-boanemba izany lasopy izany.
"nalemy satria refona tanteraka izy" na "tena noana mafy izy"
"malemin'ny hanohanana aho" na "tena noana mafy aho"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny anarana hoe Edoma dia midika hoe' mena.'"
"zo handova ny ampahany betsaka amin'ny haren'ny raintsika amin'ny maha voalohan-teraka" (UDB)
Nampitombo ny zava-nisy Esao mba hanindrina ny hanoanany. DH: "Tena refona aho ary toa tsapako fa ho faty aho"
Nampiasa izany fanontaniana izany Esao mba hanindrina fa manan-danja kokoa nohon'ny fizokiana ny fihinanan-kanina. Azo adika toy ny fanambarana izany. DH: "Tsy tsara ho ahy ny lova raha matin'ny hanoanana aho!"
Izay tian'i Jakoba hianihanan'i Esao dia azo atao mazava. DH: "mianianà aloha amiko fa hivarotra ny fizokianao ianao"
Toy ny tsaramaso izany, saingy ny voany dia boribory kely, ary toa fisapisaka.
"Nasehon'i Esao fa tsy manome lanja ny fizokiany izy"
1 Ary nisy mosary nitranga teo amin'ilay tany, ankoatran'ilay niseho voalohany tamin'ny andron'i Abrahama. Nankany amin'i Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina tany Gerara i Isaka. 2 Ary niseho taminy Yaveh ary niteny hoe: "Aza midina any Egypta ianao; mitoera amin'ny tany izay lazaiko anao. 3 Mijanòna amin'io tany io, homba sy hitahy anao Aho; fa ho anao sy ho an'ireo taranakao, no hanomezako ireo tany rehetra ireo, ary ho tanterahiko ny fianianana izay nianianako tamin'i Abrahama rainao. 4 Ho hampitomboiko toy ireo kintan'ny lanitra ireo taranakao, ary homeko ireo taranakao ireo tany rehetra ireo. Avy amin'ireo taranakao no hitahiana ireo firenena rehetra eto an-tany. 5 Ho ataoko izany satria Abrahama dia nankatò ny feoko sy nitandrina ireo toro-lalako, ireo didiko, ireo fanambarako, ary ireo lalàko." 6 Koa dia nanorim-ponenana tany Gerara i Isaka. 7 Rehefa nanontany azy momban'ny vadiny ireo lehilahy teo an-toerana, dia hoy izy hoe: "Anabaviko izy." Natahotra izy hilaza hoe: "Vadiko izy," satria niheritreritra izy hoe: "Hamono ahy ireo lehilahy eto an-toerana mba hahazoana an'i Rebeka, satria tena tsara tarehy izy." 8 Rehefa nitoetra ela tao Isaka, dia nisy fotoana Abimeleka mpanjakan'i Filistina nitazana teo ambaravarankely. Indro, hitany i Isaka nanafosafo an'i Rebeka, vadiny. 9 Nampiantso an'Isaka i Abimeleka ary niteny hoe: "Ita tokoa izao fa vadinao izy. Nahoana ianao no niteny hoe: 'Anabaviko izy'?" Hoy Isaka taminy hoe: "Satria nihevitra aho fa ho vonoin'ny olona aho mba hahazoana azy." 10 Hoy Abimaleka hoe: "Fa inona izao nataonao anay izao? Mety efa nisy olona iray tamin'ireo vahoaka niaraka natory mora foana tamin'ny vadinao, ary dia nitondra fanamelohana eto aminay ianao." 11 Koa nampitandrina ny olona rehetra Abimeleka ary niteny hoe: "Na iza na iza mikasika io lehilahy io na ny vadiny dia azo antoka fa tena ho vonoina tokoa." 12 Namboly masom-boly tamin'izany tany izany Isaka ary nahavokatra avo zato heny tamin'io taona io ihany, satria nitahy azy Yaveh. 13 Lasa nanan-karena ralehilahy, ary nitombo hatrany izany mandra-pahatonga azy ho mpanakarem-be. 14 Nanana ondry sy omby, ary ankohonana marobe izy. Nialona azy ireo Filistina. 15 Ary ireo fantsakana rehetra izay nohadian'ireo mpanompon'ny rainy tamin'ny andron'i Abrahama rainy, dia natsahatr'ireo Filistina izany tamin'ny fanotofana tany izany. 16 Hoy Abimeleka tamin'Isaka hoe: "Mialà lavitra anay, satria mahery lavitra noho izahay ianao." 17 Koa dia niala teo Isaka ary nanorim-ponenana tany an-dohasahan'i Gerara, ary nonina tany. 18 Naverin'Isaka nohadiana indray ireo lava-drano, izay efa voahady tamin'ny andron'i Abrahama rainy. Izay efa novonoin'ireo Filistina taorian'ny nahafatesan'i Abrahama. Ireo lava-drano ireo dia nataon'Isaka tahaka izay efa niantsoan'ny rainy azy ihany. 19 Rehefa nandavaka teny an-dohasaha ny mpanompon'Isaka, dia nahita loharano velona teny izy ireo. 20 Nifanditra tamin'ny mpiandry ombin'Isaka ireo mpiandry omby tao Gerara, ary niteny hoe: "Anay io rano io." Koa dia nantsoin'Isaka hoe "Eseka" ilay lava-drano, satria nifanditra taminy izy ireo. 21 Ary dia nihady lava-drano hafa indray izy ireo, ary mbola nifandiran'izy ireo koa izany, ka dia nantsoiny hoe "Sitna" izany. 22 Niala teo izy ary mbola nihady lava-drano hafa, kanefa tsy mba nifandiran'izy ireo izany. Ary dia natsoiny hoe "Rehobota" izany, ary hoy izy hoe: "Ankehitriny efa nanamboatra fonenana ho antsika Yaveh, ary ho hambinina eo amin'ilay tany isika." 23 Dia niakatra avy tany Isaka ka nankany Beri-sheba. 24 Niseho taminy i Yaveh tamin'io alina io ihany ary niteny hoe: "Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao. Aza matahotra, fa homba sy hitahy anao Aho ary hampitombo ireo taranakao, noho ny amin'i Abrahama mpanompoko." 25 Nanorina alitara teo Isaka ary niantso ny anaran'i Yaveh. Teo no nanorenany ny lainy, ary nandavaka fantsakana ireo mpanompony. 26 Avy eo Abimeleka niala tao Gerara ho any aminy, niaraka tamin'i Ahozata, namany, ary Pikola lehiben'ny tafikany. 27 Hoy Isaka tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no makaty amiko, nefa nankahalana ahy sy nandroaka ahy taminareo ianareo. 28 Avy eo hoy izy ireo hoe: "Hitanay tsara izao fa efa nomba anao Yaveh. Ka dia nanapa-kevitra izahay fa tokony hisy fianianana eo amintsika, eny, eo aminay sy ianao. Aoka izahay hanao fifanekena aminao, 29 fa tsy hanao ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanaovanay ratsy taminao, sy tahaka ny fomba tsara nitondranay anao ary nandefasanay am-pitoniana anao. Voatahin'i Yaveh tokoa ianao." 30 Ary dia nanao sakafo be ho azy ireo i Isaka, ka nihinana sy nisotro izy ireo. 31 Nifoha maraim-be izy ireo ary nifampianiana. Avy eo dia nalefan'Isaka nandeha izy ireo, ary nandao azy am-pitoniana izy ireo. 32 Tamin'io andro io ihany dia nanatona ireo mpanompon'Isaka ary nilaza taminy momban'ny lava-drano izay nohadian'izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Efa nahita rano izahay." 33 Nantsoiny hoe Sheba ilay lava-drano, ary ny anaran'izany tanàna izany dia Beri-sheba mandrak'ankehitriny. 34 Rehefa efapolo taona Esao, dia naka vady an'i Jodita zanaka vavin'i Bery Hetita, sy Basemata zanaka vavin'i Elona Hetita. 35 Nampitondra fahoriana an'i Isaka sy Rebeka izy ireo.
Nampiasaina izany teny izany mba hanamarika ny fizaran-tantara vaovao.
"nisy mosary" na "nisy mosary hafa indray"
Azonao atao mazava ilay tany izay resahina amin'izany. DH: "tany amin'ny tany izay nonenan'i Isaka sy ny fianakaviany"
Ny andian-teny hoe: "tamin'ny andro" dia manambara ny fotoana izay niainan'i Abrahama. DH: "izay nitranga teo amin'ny fiainan'i Abrahama"
Nanomboka niresaka tamin'i Isaka Yaveh.
"niseho tamin'i Isaka"
Mahazatra ny miresaka ny fialana amin'ny tany nampanantenana toy ny hoe: "mandeha midina" ho any amin'ny toeran-kafa.
"fa homeko anao sy ireo taranakao ireo tany rehetra ireo"
"Hataoko izay nampanantenaiko ho atao tamin'i Abrahama rainao"
Nanohy niresaka tamin'i Isaka Yaveh.
"hataoko manana taranaka maro ianao."
Miresaka momba ny isan'ireo taranak'i Isaka toy ny mitovy amin'ny isan'ireo kintana izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:15.
Ilazana ny zavatra rehetra izay hitantsika eo amin'ny lanitra (eo ambonin'ny tany) ao anatin'izany ny masoandro, ny volana, ary ireo kintana.
Afaka atao izany hoe: DH: "Hitahy ireo firenena rehetra eo ambonin'ny tany"
Ny andian-teny "nankatò ny teniko" sy "nitandrina ireo toro-lalako, ireo didiko, ireo fanambarako, ary ireo lalàko" dia manana dika mitovitovy ihany. DH: "nankatò Ahy Abrahama ary nanaqewr ny zavatra rehetra izay nandidiako azy"
Eto ny "feo" dia ilazana an'i Yaveh. DH: "nankatò Ahy"
Isaka ihany no voatonona satria izy no mpitarika ny fianakaviana, kanefa ny fianakaviana manontolo dia niaraka taminy. DH: "Koa dia nanorim-ponenana tany Gerara i Isaka sy ny fianakaviany"
Eto ny "natahotra" dia ilazana ny fihetseham-po tsy mampahazo aina ny olona rehefa misy tahotra ny handratra ny tenany na ny hafa. "Natahotra izy hilaza hoe"
"mba hakana an'i Rebeka"
Ny teny hoe: "Indro" dia maneho fa taitra tamin'ny fahitana azy i Abimeleka. DH: "Ary taitra izy raha nahita fa Isaka"
Ireo mety ho heviny dia 1) Nikasika azy toy ny fikasikin'ny lehilahy ny vadiny na 2)Nisangy (nihomehy) sy niresaka taminy toy ny fanaon'ny lehilahy ny vadiny.
Azo antoka tokoa fa nandefa olona hilaza amin'i Isaka i Abimeleka fa te hahita azy izy. DH: "Nandefa olona haka an'i Isaka hankany aminy"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH:"Nahoana ianao no niteny fa Anabavinao izy?"
"mba hahafahany mikarakara azy"
Nampiasa izany fanontaniana izany Abimeleka mba hibedesana an'i Isaka. DH: "Tsy tokony nanao izany taminay ianao!"
Miresaka mahakasika ny fanaovana ny olona ho meloka toy ny hoe "ny heloka" dia zavatra izay apetraka eo amin'ny olona. DH: "Nanao izay hahameloka anay tamin'ny fakana vadin'olona ianao"
Eto ny mpisolo tena tampisaka "...nay" = "izahay" dia ilazana an'i Abimeleka sy ny olony.
Eto ny "mikasika'' dia midika hoe mikasika mba handratra. DH: ''Na iza na iza mandratra io lehilahy io''
Abimeleka dia mety nikasa hilaza amin'ny olona hamono izay mety handratra an'i Isaka na Rebeka.
Manomboka fizaran-tantara vaovao izany. Niova tamin'ny fitantarana mahakasika ny niantson'i Isaka an'i Rebeka ho anabiviny, ary manomboka mitantara momba ny nahatonga an'i Isaka hqewru tena mpanan-karena ary nialona azy ireo Filistina.
"tany Gerara"
Ny dikany dia "injato heny tahaka izay novoleny." Azo adika amin'ny ankapobeny kokoa izany hoe: "'vokatra be dia be'' (UDB).
''Lasa nanan-karena Isaka'' na "Lasa nanan-karena izy"
"ary nihanahazo hatrany hatrany izy mandra-pahatonga azy ho tena mpanakarem-be''
Mety tafiditra ao anatin'izany ny osy.
Eto ny ''ankohonana" dia ilazana ireo mpiasa sy ireo mpanompo. DH: ''mpanompo maro"
"velom-pialonana azy ireo Filistina"
Eto izany dia tsy midika oe: ''amin'izao fotoana izao.'' Fa kosa manondro izay toerana niantombohan'ny tantara. Azo adika amin'ny mpampitohy hoe ''koa'' mba hanehoana fa vokatr'izay nitranga ao amin'ny 26: 12.
Ny andian-teny "tamin'ny andron'i" dia ilazana ny andro fahaveloman'ny olona. DH: ''raha mbola velona i Abrahama, rainy''
Ireo mety ho heviny dia 1) fihetsika iray hafa hanerena an'i Isaka sy ny olony hiala. DH: ''Ary dia hoy Abimeleka'' na "Farany dia hoy Abimeleka'' na 2) Nandray izany fanapahan-kevitra izany Abimeleka satria hitany fa nialona sy naneho fankahalana an'i Isaka ny olony. DH: ''Noho izany dia niteny Abimeleka hoe''
''matanjaka kokoa mihoatra noho izahay
Isaka ihany no voatonona satria izy no mpitarika ny fianakaviana, kanefa ny fianakaviana sy ireo mpanompo dia nandeha niaraka taminy. DH: "Koa dia lasa nandao i Isaka sy ny fianakaviany"
Eto ''Isaka'' dia ilazana an'i Isaka sy ireo mpanompony. DH: ''nihady izany indray Isaka sy ireo mpanompony''
''izay nohadian'ireo mpanompon'i Abrahama''
Ny andian-teny ''tamin'ny andron'i'' dia ilazana ny andro fahaveloman'ny olona. DH: ''raha mbola velona i Abrahama, rainy'' Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:15.
Izany no antony nihadian'i Isaka azy ireo indray. Ireo mety ho heviny dia 1)satria izany no nitranga voalohany, dia afaka atao any alohan'ny fehezanteny mahakasika ny nihadian'i Isaka azy ireo izany, mitovy ny ao amin'ny UDB. Na 2)Afaka antomboka amin'ny hoe Nanao izany Isaka satria natsahatr'ireo Filistina izany.''
''fanotofana tany izany''
ilazana ny loharano voajanahary izay nosokafan'izy ireo raha nihady ny fantsakana vaovao izy ireo. Miteraka loharano velona ho fisotro izany. DH: "rano velona'' (UDB)
"lehilahy izay niandry omby"
Eto ny ''Anay" dia ilazana ireo mpiandry ombin'i Gerara.
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny anarana hoe Eseka dia midika 'nifanditra' na 'niady hevitra.'''
"Ary dia nihady lavaka ireo mpanompon'i Isaka"
"ireo mpiandry ombin'i Gerara dia nifanditra tamin'ny mpiandry ombin'i Isaka"
"koa dia nomen'i Isaka (anarana hoe ...) izany"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny dikan'ny Sitna dia 'manohitra' na 'miampanga.'''
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny anarana hoe Rehobota dia midika 'manamboatra efitra ho an'i' na 'toerana foana.'''
niteny ho azy sy ho an'ireo ankohonany Isaka.
Eto ny ''niakatra'' dia azo antoka tokoa fa ilazana ny mankany avaratra. Ampiasao ny fomba tsotra indrindra ilazana izany amin'ny teninao. DH: "'Niala teo Isaka ka nankany Beri-sheba''
''hampitombo fatratra ireo taranakao'' na ''hampitombo isa ireo taranakao"
"ho any Abrahama mpanompoko" na afaka hazavainao ny tena hevitr'izany. DH: "satria nampanantena an'i Abrahama mpanompoko Aho fa hanao izany"
Afaka ataonao mazava izany hoe: DH: "Nanorina alitara teo Isaka hanaovana sorona an'i Yaveh''
Ny "miantso'' dia midika hoe mivavaka na manompo. Eto ny ''anarana'' dia ilazana an'i Yaveh'' na ''nanompo an'i Yaveh''
"nankany amin'i Isaka"
Anaran-dehilahy izany.
Ireo mety ho heviny dia 1)" ny naman'i Abimeleka na 2) "Ny mpanolotsaina an'i Abimeleka."
Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'i 21:22.
Ilazana an'i Abimeleka, Ahozata sy Pikola izany. Ny iray tamin'izy ireo no niteny ary ny roa ambiny nanaiky izay nolazainy. Tsy midika izany hoe niara-niteny tamin'ny fotoana iray izy rehetra. DH: "'ny iray tamin'izy ireo niteny hoe''
''fantatray tokoa'' na ''azonay antoka"
''Koa te hanao fifanekena izahay''
Azo adika any amin'ny voalohan'ny fehezanteny vaovao izany. ''tsy nanao afa-tsy izay tsara taminao izahay''
Afaka atao izany hoe: DH: "Efa nitahy anao Yaveh"
Ny fihinana sakafo miaraka dia tafiditra ao anatin'ny fanaovana fanekena amin'ny hafa.
Eto ny ''azy ireo'' dia ilazana an'i Abimeleka, Ahozata sy Pikola
Eto ny ''izy ireo'' dia ilazana an'i Isaka, Abimeleka, Ahozata sy Pikola. DH: ''nihinana avokoa izy rehetra ireo'' (UDB)
''Nifoha aloha be izy ireo''
''koa dia nantsoiny hoe Sheba ilay fatsakana.'' Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Sheba dia mitovy amin'ny teny izay midika hoe: 'fianianana.'''
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Beri-sheba dia manana dika hoe "fatsankan'ny fianianana" na "fatsankan'ny fito."
Ny Genesisy 26 dia miresaka betsaka momba an'i Isaka. Ireto andininy ireto dia mahakasika an'i Esao zanany lahimatoa.
"40"
"nanambady." Afaka ataonao mazava izany hoe nanambady vehivavy roa izy. DH: "naka vady anankiroa izy"
Anaran'ireo vadin'i Esao ireo.
Anaran-dehilahy ireo.
''ilay taranak'i Heta'' na ''taranak'i Heta''
Eto ny ''izy ireo'' dia ilazana an'ilazana an'i Jodita sy Basemata. Ny manao izay mampalahelo na mampafadiranovana ny olona dia miresaka ny ''alahelo'' toy ny zavatra izay afaka entin'ny olona eo amin'ny olona hafa. DH: "Nanao izay nampalahelo an'i Isaka sy Rebeka izy ireo'' na ''fandiranovana i Isaka sy Rebeka nohon'izy ireo''
1 Rehefa antitra Isaka ka mpahina ireo masony koa dia tsy nahita izy, ary nampiantso an'i Esao, zanany lahimatoa izy, ka niteny taminy hoe: "Ry zanako." Ary hoy izy taminy hoe: "Inty aho." 2 Ary hoy izy hoe: "Henoy tsara, efa antitra aho. Tsy fantatro ny andro hahafatesako. 3 Noho izany raiso ireto fitaovam-piadianao, ny fitifitrao ary ny tsipïkao, ka mandehana any an-tsaha ary mihazà bibi-dia ho ahy. 4 Handrahoy sakafo matsiro, amin'ilay tena tiko aho, ary ento aty amiko izany hafahako mihinana izany sy hanomezako tso-drano anao mialohan'ny hahafatesako." 5 Ary ren'i Rebeka izany rehefa niresaka tamin'i Esao zanany lahy i Isaka. Nankany an-tsaha i Esao mba hihaza bibi-dia ary hitondra izany hody. 6 Niresaka tamin'i Jakoba zanany i Rebeka ary niteny hoe: "Henoy tsara, reko ny rainao niresaka tamin'i Esao rahalahinao. Hoy izy hoe: 7 'Hitondray haza aho ary hanamboary sakafo matsiro, mba hahafahako mihinana izany sy hanomezako tso-drano anao eo anatrehan'i Yaveh mialohan'ny hahafatesako.' 8 Ary noho izany, ry anaka, dia ankatoavy ny teniko araka izay handidiako anao. 9 Mandehana mankany amin'ny ondry aman'osy, ka angalao zanak'osy roa tsara aho; dia hanao sakafo matsiro amin'ireo ho an'ny rainao aho, tahaka ny tiany. 10 Ary ho entinao mankany amin'ny rainao izany, mba hahafahany mihinana izany, ka hanomezany tso-drano anao mialohan'ny hahafatesany." 11 Niteny tamin'i Rebeka reniny i Jakoba hoe: "Jereo, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho kosa dia lehilahy malama hoditra. Mety hikasika ahy ny raiko, ka ho fantany fa mamitaka azy aho. 12 Hitondra ozona amin'ny tenako aho fa tsy tso-drano." 13 Hoy ny reniny taminy hoe: "Anaka, aleo ny rainao hanozona ahy. Araho fotsiny ny teniko, dia mandehana, ento aty amiko ireo." 14 Koa nandeha naka ireo zanak'osy i Jakoba ary nitondra ireo tany amin'ny reniny, ka nanao sakafo matsiro ny reniny, araka ny hitiavan'ny rainy azy. 15 Nalain'i Rebeka ny fitafiana tsara indrindran'i Esao, zanany lahimatoa, izay niaraka taminy tao an-trano, ary nampitafiany an'i Jakoba, ilay zanany faralahy. 16 Napetrany teny amin'ny tanany sy ny faritra malama eny amin'ny vozony ny hoditrin'ireo zanak'osy. 17 Napetrany teny an-tanan'i Jakoba zanany ilay sakafo matsiro sy ny mofo izay efa nokarakarainy. 18 Nankany amin'ny rainy i Jakoba ka nanao hoe: "Raiko o!" Hoy izy hoe: "Inty aho; iza moa ianao, anaka?" 19 Hoy Jakoba tamin'ny rainy hoe: "Esao ilay lahimatoanao; efa vitako izay nasainao nataoko. Mipetraha ary mihinàna ny hazako, mba hitsofanao rano ahy." 20 Hoy Isaka tamin'ny zanany lahy hoe: "Ahoana no nataonao nahitana izany tao anaty fotoana fohy anaka?" Hoy izy hoe: "Satria Yaveh Andriamanitrao no nitondra izany tamiko." 21 Dia hoy Isaka tamin'i Jakoba hoe: "Manatòna eto akaikiko, mba hahafahako mikasika anao, ry zanako, ka hahafantarana raha tena Esao zanako marina ianao na tsia." 22 Nanatona an'Isaka rainy i Jakoba; ary nikasika azy Isaka ka nanao hoe: "Ilay feo dia ny feon'i Jakoba, fa ireo tanana kosa dia an'i Esao." 23 Tsy nahafantatra azy Isaka, satria voloina ny tanany, tahaka ny tanan'i Esao rahalahiny, ka dia nitso-drano azy Isaka. 24 Hoy izy hoe: "Tena Esao zanako marina ve ianao?" Namaly izy hoe: "Izaho tokoa." 25 Hoy Isaka hoe: "Arosoy eto amiko ny sakafo fa hohaniko ny hazanao, mba hafahako mitso-drano anao." Nentin'i Jakoba teny aminy ny sakafo. Dia nihinana Isaka, ary nitondran'i Jakoba divay izy, ka nisotro. 26 Avy eo dia hoy Isaka rainy taminy hoe: "Manatòna akaiky ahy izao ary orohy aho, anaka." 27 Nanatona i Jakoba ka nanoroka azy, ary nifofona ny fofon'ireo akanjony izy ka nitso-drano azy. Hoy izy hoe: "Indro, ny fofon'ny zanako dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahian'i Yaveh. 28 Andriamanitra anie hanome anao anjara amin'ny andon'ny lanitra, anjara amin'ny tsiron'ny tany, ary voa sy divay vaovao betsaka. 29 Hanompo anao anie ireo olona ary hiankohoka eo anatrehanao ireo firenena. Ho tompon'ireo rahalahinao ianao, ary hiankohoka eo anatrehanao anie ireo zanakin'ny reninao. Ho voahozona anie ireo rehetra izay nanozona anao; ary ho tahiana anie ireo rehetra mitso-drano anao." 30 Vantany vao avy nitso-drano an'i Jakoba i Isaka, ary nivoaka tamin-tahotra niala teo amin'ny fanatrehan'ny rainy i Jakoba, ary niverina avy nihaza i Esao rahalahiny. 31 Nanao sakafo matsiro ihany koa izy ary nitondra izany tany amin'ny rainy. Ho izy tamin'ny rainy hoe: "Ray o, mifohaza ary mihinàna amin'ireto hazan'ny zanakao ireto, mba hahafahanao mitso-drano ahy." 32 Hoy Isaka rainy taminy hoe: "Fa iza ianao?" Hoy izy hoe: "Zanakao aho, zanakao lahimatoa, Esao." 33 Nangovitra mafy Isaka ka niteny hoe: "Fa iza no nihaza ny osy ary nitondra izany tamiko? Nohaniko daholo izany mialohan'ny natongavanao, ary efa nitso-drano azy aho. Dia ho tahina tokoa izy." 34 Rehefa nandre ireo tenin'ny rainy i Esao, dia nitomany mafy, ary niteny tamin'ny rainy hoe: "Tsofy rano ihany koa aho, ry raiko." 35 Hoy Isaka hoe: "Ny rahalahinao no efa tonga teto namitaka ahy ary naka ny tso-dranonao." 36 Hoy Esao hoe: "Tsy izy ve ilay antsoina hoe Jakoba? Fa izy dia efa namitaka ahy indroa. Efa nalainy ny maha-lahimatoa ahy, ary izao dia mbola nalainy ihany koa ny tso-drano tokony ho ahy." Hoy izy avy eo hoe: "Tsy misy tso-drano efa voatokanao ho ahy ve?" 37 Namaly Isaka ary niteny tamin'i Esao hoe: "Indro, efa voahosotro ho tomponareo izy ary efa natolotro ho mpanompony ireo rahalahiny, ary efa nomeko azy ny voa sy divay vaovao. Inona no mbola afaka ataoko ho anao, ry anaka?" 38 Hoy Esao tamin'ny rainy hoe: "Tsy mba manana tso-drano na dia iray ho ahy ary ve ianao, ry raiko? Tsofy rano ihany koa aho, ry raiko." Nitomany mafy Esao. 39 Namaly Isaka rainy ary niteny taminy hoe: "Indro, ny toerana izay misy anao dia lavitry ny tany lonaka, lavitry ny andon'ny lanitra ambony. 40 Amin'ny alalan'ny sabatrao no hivelomanao, ary hanompo ny rahalahinao ianao. Fa rehefa mikomy ianao, dia hanala ny tenanao amin'ny fitondrany." 41 Nankahala an'i Jakoba i Esao nohon'ny tso-drano izay nomen'ny rainy azy. Niteny tao am-pony Esao hoe: "Manakaiky ireo andro fisaonana ny raiko; aorian'izay dia ho vonoiko Jakoba rahalahiko." 42 Ireo tenin'i Esao zanany lahimatoa dia notantaraina tany amin'i Rebeka. Koa nandefa ary nampiantso an'i Jakoba zanany faralahy izy ary niteny taminy hoe: "Indro, Esao rahalahinao dia mampionona ny tenany amin'ny fikasana hamono anao. 43 Ary noho izany, anaka, araho ny teniko ary mandosira any amin'i Labana, anadahiko, ao Harana. 44 Mijanona miaraka aminy fotoana fohy, mandra-pihenan'ny fahatezeran'ny rahalahinao, 45 mandra-paha-afaka ny hatezeran'ny rahalahinao aminao, ka hanadinoany izay nataonao taminy. Avy eo dia hampaka anao any aho. Ataoko ahona no hamoy anareo roa anatin'ny andro iray? 46 Hoy Rebeka tamin'Isaka hoe: "Tezitra mafy aho noho ireo zanakavavin'i Hetita. Raha maka vady amin'ny iray amin'ireo zanakavavin'i Hetita i Jakoba, tahak'ireny vehivavy mipetraka amin'io tany io ireny, dia inona no soa ho ahy amin'ny fiainako?"
Miresaka mikasika ny maha akaiky ny fahajambana toy ny hoe jiro ireo maso ary efa ho faty ny fahazavany. DH: "efa jambajamba izy'' na '''efa akaiky jamba izy''
''ary Esao namaly''
"Eto aho" na ''mihaino anao aho.'' Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:1.
''Ary hoy Isaka hoe''
Ny andian-teny ''henoy tsara'' dia manampy hanasongadinana izay manaraka. DH: "mihainoa tsara''
Toa milaza izany fa fantatr'i Isaka fa ho faty tsy ho ela izy. DH: "ankehitriny dia mety ho faty amin'ny fotoana rehetra aho"
Ilazana ny fahafatesan'ny nofo izany.
Nanohy nanome toro marika an'ny zanany lahimatoa Isaka.
"ireo fitaovam-pihazanao"
Ny fitifitra dia vata kely fitazonana ireo tsipika. DH: "fitifi-jana-tsipikanao''
''mihazà bibi-dia ho ahy''
Ny teny hoe: ''matsiro'' dia ilazana ny zavatra izay tena tsara tsiro. DH: "Handrahoy hena matsiro, izay tena tiko aho''
Tamin'ny andron'ny Baiboly, ny ray matetika dia manona tso-drano ho an'ireo zanany.
Ny teny ''Ary'' dia maneho fiovana amin'ny fanasongadinana an'i Rebeka sy Jakoba.
''Ren'i Rebeka izay noresahin'i Isaka tamin'i Esao zanany lahy''
Ny teny hoe ''koa rehefa'' dia afaka ampiana eto mba hanehoana fa niresaka tamin'i Jakoba i Rebeka noho ny amin'izay henony, koa niresaka taminy izy rehefa lasa i Esao. DH: "koa rehefa lasa i Esao ... hitondra izany hody,''
Esao sy Jakoba dia samy zanaka lahin'i Isaka sy Rebeka. Nantsoina hoe ''zanaka lahin'ny rainy'' sy '''zanaka lahin'ny reniny'' izy ireo mba hanasongadinana fa samy manana ny tiany kokoa izy ireo.
Ny andian-teny ''henoy tsara'' dia manampy hanasongadinana izay manaraka. DH: "mihainoa tsara''
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Niteny tamin'i Esao mba 'hihaza bibidia, ary hahandro hena matsiro, izay tena tiany.'' Ary talohan'ny hahafatesany, Isaka dia hitso-drano an'i Esao eo anatrehan'i Yaveh.
"Hitondray bibidia izay nohazainao sy novonoinao aho''
''handrahoy hena matsiro amin'ilay tena tiako aho.'' Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:3.
"hitso-drano anao eo anoloan'i Yaveh"
"mialohan'ny hahafatesako"
Nanohy niresaka tamin'i Jakoba zanany faralahy i Rebeka.
Eto izany dia tsy midika oe: ''amin'izao fotoana izao,'' fa kosa nampiasaina mba hisarihina ny fifantohana ho amin'ny teboka manan-danja izay ho avy manaraka.
Niteny i Rebeka hoe: ''feoko'' mba ilazana izay nambarany. DH: "ankatoavy aho ary ataovy izay asaiko ataonao"
Ny teny hoe: ''matsiro'' dia ilazana ny zavatra izay tena tsara tsiro. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:3.
"Ary dia ho entinao mankany amin'ny rainao izany"
"'ary rehefa avy mihinana izy dia hitso-drano anao''
Ny teny hoe: ''tso-drano'' dia ilazana ny fomba fitahian'ny ray amin'ny fanononana tso-drano ho an'ireo zanany.
''mialohan'ny hahafatesany''
"lehilahy manana hoditra malama aho" na "tsy voloina aho"
"koa dia hihevitra izy fa mpandainga aho'' na ''dia ho fantany fa mamitaka azy aho''
Ny voaozona na voatahy dia resahina toy ny zavatra izay azo apetraka eo amin'ny olona ny ozona sy ny fitahiana. DH: "Ary noho izany dia, hanozona fa tsy hitahy ahy izy''
"aoka ny ozona ho anao ho amiko, ry zanako.'' resahina toy ny zavatra izay azo apetraka eo amin'ny olona ny voaozona. DH: "aoka ny rainao hanozona ahy fa tsy ianao, ry zanako''
Niteny i Rebeka hoe: ''feoko'' mba ilazana izay nambarany. DH: "ankatoavy izay lazaiko anao'' na ''ankatoavy aho"
''ento aty amiko ireo zanak'osy''
Ny teny hoe: ''matsiro'' dia ilazana ny zavatra izay tena tsara tsiro. Jereo ny nandikanao izany fehezanteny mitovitovy izany ao amin'ny 27:3.
Mbola nisy volo ireo hodi-janak'osy.
''Nomeny an'i Jakoba zanany ilay sakafo matsiro sy ny mofo izay efa nokarakarainy''
"Ary namaly ny rainy" na "namaly Isaka'' (UDB)
"eny, mihaino aho" na "eny, ahoana izay?" Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:1.
''efa vitako izay nasainao nataoko''
Ny teny hoe ''haza'' dia ilazana ny bibidia izay nohazaina sy novonoin'ny olona. Jereo ny nandikanao ny ''haza'' ao amin'ny 27:3.
''namaly Jakoba''
Fomba fiteny izay midika izany fa Andriamanitra no nahatonga izany hitranga. DH: "Nanampy ahy hampahomby ny fihazahako''
"raha tena Esao zanako marina ianao ''
"Nanakaiky an'Isaka rainy i Jakoba"
Nampitaha ny feon'i Jakoba tamin'ny Jakoba tenany i Isaka. DH: "Toa mitovy feo amin'i Jakoba ianao"
Nampitaha ny tanan'i Esao tamin'ny Esao tenany i Isaka. DH: "kanefa ny fitsapana ireo tananao dia toa an' ireo tanan'i Esao"
Nametraka izany fanontaniana izany Isaka mialohan'ny hitsofany rano ny zanany. DH: "Kanefa nanontany aloha Isaka" (UDB)
Ny teny hoe ''haza'' dia ilazana ny bibidia izay nohazaina sy novonoin'ny olona. Jereo ny nandikanao ny ''haza'' ao amin'ny 27:5.
"dia nisotro izany Isaka"
Afaka ataonao mazava izany fa ireo akanjo dia namofona ireo akanjon'i Esao. DH: "nifofona ny ankanjony izy ary namofona toy ireo akanjon'i Esao izany, koa dia nitso-drano azy Isaka
"ary nanimbolo Isaka"
''ilay hanitra''
''ary avy eo dia nitso-drano azy.'' Ilazana ny fomba fitahian'ny ray amin'ny fanononana tso-drano ho an'ireo zanany izany.
Ny teny hoe :''Injany'' dia sarinteny izay midika hoe: ''eny marina tokoa'' DH: "Tena marina tokoa, fa fofon'ny zanako lahy" (UDB)
Eto Ny teny hoe :''notahiana'' dia midika fa Yaveh nanao zavatra tsara hitranga amin'ny saha koa dia lasa nahavokatra izany. DH: "izay efa nataon'i Yaveh mamokatra be"
Tso-dranon'i Isaka izany. Nihevitra izy fa niresaka tamin'i Esao, kanefa i Jakoba no niresaka taminy.
Eto ny ''ianao'' ='' anao'' dia ilazana an'i Jakoba. Kanefa ny tso-drano dia hiatra ihany koa amin'ireo taranak'i Jakoba.
"Ando'' dia rano latsaka izay mipetraka eny amin'ireo zava-maniry mandritra ny alina. Afaka ataonao mazava izany ao amin'ny fandikan-teny. DH: "zavona amin'ny alina izay avy any an-danitra mba hanondraka ireo vokotrao''
Ny manana tany mahavokatra dia resahina toy ny matavy na manan-karena ny tany. DH: "tany tsara ho an'ny famokarana vokatra''
Raha tsy dia fantatra ''ny voa'' sy ''ny divay'', dia azo atao amin'ny ankapobeny kokoa izany. DH: "sakafo sy zava-pisotro maro be''
Eto ny ''anao'' dia ilazana an'i Jakoba. Kanefa ny tso-drano dia hiatra ihany koa amin'ireo taranak'i Jakoba.
Eto ny ''firenena'' dia ilazana ny olona. DH: "'hiankohoka avokoa ireo olona avy amin'ireo firenena''
Ny heviny dia mandohalika amim-panetre-tena mba hanehoana fanajana sy voninahitra manoloana ny olona iray.
''tonga tompon'ireo rahalahinao ''
Niresaka izany fitahiana izany mivantana tamin'i Jakoba Isaka. Kanefa izany dia hiatra ihany koa amin'ireo taranak'i Jakoba izay hanapaka ireo taranak'i Esao sy ireo taranak'ireo rahalahin'ny Jakoba hafa izay mbola mety hisy.
Afaka atao izany hoe: DH: "Andriamanitra anie hanozona izay rehetra nanozona anao''
Afaka atao izany hoe: DH: "Andriamanitra anie hitahy izay rehetra mitso-drano anao''
"Vao avy nandao ny lain'i Isaka rainy"
''hena matsiro izay tiako.'' Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:3.
Eto ny ''an'i zanakao'' dia filaza mihaja ilazan'i Esao ny sakafo izay nokarakarainy.
Ny teny hoe "Haza'' dia ilazana ny bibidia izay hazain'ny olona ka hohaniny. Jereo ny nandikanao ny ''haza'' ao amin'ny 27:5.
Ilazana ny fomba fitahian'ny ray amin'ny fanononana tso-drano ho an'ireo zanany izany.
''niteny tamin'i Esao''
''nanomboka nihorohoro Isaka''
Ny haza dia ilazana ny bibidia izay hazain'ny olona ka vonoiny. Jereo ny nandikanao ny ''haza'' ao amin'ny 27:5.
Ny fangirifirin'i Esao dia mitovy amin'ny tsiron'ny zavatra mangidy na mafaitra. DH: "nidradradradra mafy izy'' (UDB)
Hevitra ambadikin'ny nankan'i Jakoba izay an'i Esao izany. DH: "niso-drano azy aho raha tokony ho ianao'' / ''niso-drano azy aho fa tsy anao''
Nampiasa izany fanontaniana izany Esao mba hanasongadinana ny fahatezerany amin'ny Jakoba. DH: "Jakoba tokoa ny anarana mendrika ny rahalahiko!''
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe:''Ny anarana hoe Jakoba dia midika hoe 'nihazona ilay voditongotra izy.''' Amin'ny fiteny niaingana ny anarana hoe Jakoba ihany koa dia mitovy fanonona amin'ny teny hoe 'namitaka izy.'''
Miresaka ny fizokiana toy ny zavatra izay afaka alain'ny olona iray izany. DH: "namitaka ahy tamin'ny fanomezana azy ny lova avo roa heny izay tokony ho raisiko amin'ny maha zanaka lahimatoa ahy izy!''
Miresaka ny tso-drano toy ny zavatra izay afaka alain'ny olona iray izany. DH: "ankehitriny dia namitaka anao tamin'ny fitsofan-drano azy fa tsy izaho / raha tokony izaho''
Fantatr'i Esao fa tsy afaka ny hitso-drano azy mitovy amin'izay efa nomeny an'i Jakoba ny rainy. Nanontany Esao raha mbola misy zavatra tafajanona izay mbola tsy nolazain'i Isaka tamim-panomezana tso-drano an'i Jakoba.
Nampiasa izany fanontaniana izany Isaka mba hanindrina fa tsy misy zavatra izay azony atao intsony!''
Afaka atao izany hoe: ''Ry raiko, tsy mba manana tso-drano hafa iray ho ahy ve ianao''
''niteny tamin'i Esao''
Manampy hanasongadinana izay holazain'i Isaka manaraka izany. DH: "mihainoa'' na ''Henoy tsara izay holazaiko anao''
Hevitra ambadikin'ny ilazana ny fahalonahan'ny tany izany. DH: "lavitry ny tany lonaka''
Ao amin'ny 27:39-40 dia ilazana an'i Esao izany, Kanefa izay nolazain'i Isaka dia hiatra ihany koa amin'ireo taranak'i Isaka.
"Ando'' dia rano latsaka izay mipetraka eny amin'ireo zava-maniry mandritra ny alina. Afaka ataonao mazava izany ao amin'ny fandikan-teny. DH: "zavona amin'ny alina izay avy any an-danitra mba hanondraka ireo vokotrao''
Eto ny ''sabatra'' dia ilazana ny heri-setra. DH: "Handroba sy hamono olona ianao mba hahafahanao maka izay ilainao hivelomana''
Miresaka ny olona izay manana tompo toy ny zioga izay tsy maintsy entin'ny olona ny fanapahan'ny tompo eo amin'ny olona izany. DH: "hanafaka ny tenanao amin'ny fanapahany ianao'' (UDB)
Eto ny ''fo'' dia ilazana an'i Esao tenany ihany. DH: "Niteny tamin'ny tenany i Esao" (UDB)
Ilazana ny isan'ireo andro hisaonanan'ny olona rehefa misy fianakaviana maty.
Eto ny ''teny'' dia ilazana izay nolazain'i Esao. Afaka atao izany hoe: DH: "Nisy olona niteny tamin'i Rebeka mahakasika ny drafitr'i Esao''
''mihainoa'' na ''henoy tsara''
''manao izay hahatonga azy hahazo aina kokoa''
Eto izany dia tsy midika oe: ''amin'izao fotoana izao,'' fa kosa nampiasaina mba hisarihina ny fifantohana ho amin'ny teboka manan-danja izay ho avy manaraka.
''miala faingana eto ary mandehana any amin'i Labana''
''mandritra ny fotoana tsy voafetra''
"mandra-pitony ny rahalahinao"
Ny tsy fahatezerana intsony dia resahina toy ny hoe miala amin'ilay olona ny fahatezerana ka makany amin'ny lalana hafa. DH: "mandra-paha tsy maha tezitra azy intsony aminao''
Nampiasa izany fanontaniana izany i Rebeka mba hanindrina ny ahiahiny. DH: "Tsy tiako ny hamoizako anareo ao anatin'ny iray andro!"
Toa milaza izany fa raha hamono an'i Jakoba i Esao, dia hampiatra ny famonoana an'i Esao izay toy ny mpamono olona, izy ireo.
Fomba mihaja ilazana ny hahafatesan'ireo zanany izany.
Manao filaza feno fampitomboana i Rebeka mba hanindriana ny fahatezerany amin'ireo vehivavy Hetita izay nalain'i Esao vady. DH: "Tezitra mafy aho''
''ireo vehivavy Hetita'' na ''ireo taranak'i Heta''
Ny andian-teny hoe ''ireo zanaka vavin'ny tany'' dia midika hoe vehivavy eo an-toerana. DH: "tahak'ireo vehivavy izay monina amin'ny tany''
Mampiasa izany fanontaniana izany i Rebeka mba hanindriana ny fahatezerany raha manambady vehivavy Hetita i Jakoba. DH: "'hatsiravina tokoa ny fiainako!''
1 Ary Isaka niantso an'i Jakoba, nitso-drano azy, ary nandidy azy hoe: "Tsy mahazo maka vady amin'ireo vehivavy Kananita ianao. 2 Mitsangàna, ka mandehana any Padana-Arama, ho any amin'ny taranak'i Betoela rain'ny reninao, dia makà vady any, iray amin'ireo zanaka vavin'i Labana, anadahin-dreninao. 3 Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao, hampamokatra anao ary hahamaro anao, mba hahatonga anao ho firenena maro. 4 Homeny anao anie ny tso-dranon'i Abrahama, ho anao, sy ho an'ireo taranaka mandimby anao, mba handovanao ny tany izay efa nonenanao, izay nomen'Andriamanitra an'i Abrahama." 5 Ary Isaka nampandeha an'i Jakoba. Nankany Padana-Arama i Jakoba, ho any amin'i Labana zanak'i Betoela Syriana, anadahin'i Rebeka, renin'i Jakoba sy Esao. 6 Ary hitan'i Esao fa notsofin'Isaka rano Jakoba ary nampodiany tany Padana-Arama, mba haka vady avy any. Nahita ihany koa izy fa nitso-drano sy nanome baiko azy i Isaka, nanao hoe: "Tsy mahazo maka vady amin'ireo vehivavy avy any Kanàna ianao." 7 Hitan'i Esao ihany koa fa nankatò ny ray sy reniny Jakoba, ary nandeha tany Padan-Arama. 8 Ary hitan'i Esao fa tsy nankasitraka ireo vehivavy avy any Kanàna i Isaka rainy. 9 Koa ankoatra ireo vady izay efa nananany, dia lasa izy nankany amin'Ismaela, ary naka an'i Mahalota, zanaka vavin' Ismaela, zanak'i Abrahama, anabavin'i Nebaiota mba ho vadiny. 10 Niala tao Beri-sheba i Jakoba ka nankany Harana. 11 Ary tonga teo amin'ny toerana iray izy ka nijanona teo nandritry ny alina tontolo, satria efa nody ny masoandro. Naka iray tamin'ireo vato teo amin'izany toerana izany izy, nametraka izany tao ambany lohany, dia nitsilany teo amin'ilay toerana mba hatory. 12 Nanofy izy ka nahita tohatra niorina tamin'ny tany. Nipaka tamin'ny lanitra ny tendrony ary niakatra sy nidina tamin'izany ireo anjelin' Andriamanitra. 13 Indro, Yaveh nitsangana teo ambonin'izany ary niteny hoe: "Izaho no Yaveh, Andriamanitr'i Abrahama rainao, sy Andriamanitr'Isaka. Ny tany izay handrianao io, dia homeko anao sy ny taranakao. 14 Ho toy ny vovoka amin'ny tany ny taranakao, ary hiely lavitra hatrany andrefana, ka hatrany atsinanana, hatrany avaratra, ary hatrany atsimo ianao. Amin'ny alalanao sy amin'ny alalan'ireo taranakao no hitahiana ireo fianakaviana eto an-tany rehetra. 15 Indro, momba anao Aho, ary hiaro anao na aiza na aiza halehanao. Hitondra anao amin'ity tany ity indray Aho; fa tsy handao anao Aho. Ho ataoko avokoa izay rehetra nampanantenaiko anao." 16 Nifoha tamin'ny torimasony Jakoba, ka hoy izy hoe: "Azo antoka tokoa fa eto amin'ity toerana ity Yaveh, fa izaho no tsy nahalala." 17 Raiki-tahotra izy ka niteny hoe: "Tena mampatahotra ity toerana ity! Tsy inona akory fa tranon'Andriamanitra ity. Ity no vavahadin'ny lanitra." 18 Nifoha maraina Jakoba dia naka ilay vato izay napetrany tao ambany lohany. Nataony ho tsangam-bato izany ary nandrarahany menaka teo an-tampon'izany. 19 Ary dia nantsoiny hoe Betela ny anaran'izany toerana izany, fa Lozy no anaran'ilay tanàna tany am-piandohana. 20 Ary nanao voady Jakoba, niteny hoe: "Raha homba sy hiharo ahy amin'ity lalana izay andehanako ity Andriamanitra, ka hanome ahy mofo hohanina, sy akanjo ho tafiana, 21 mba hafahako miverina soa aman-tsara any an-tranon-draiko, dia Yaveh no ho Andriamanitro. 22 Ary ho lasa vato masina ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity. Amin'izay rehetra omenao ahy, dia ho haveriko aminao tokoa ny ampahafolony."
''aza maka''
''mandehana izao ankehitriny izao''
Anarana hafa iantsoana ny faritr'i Mesopotamia izany, izay mitovy amin'izay misy an'i Iraka taty aoriana (Iraka vaovao). Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:19.
Ilazana ireo taranak'olona na ireo havany hafa izany. DH: "havana''
Rain'i Rebeka i Betoela. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 22:20.
''ny raibenao / dadabeanao''
''avy amin'ireo zanaka vavy''
''ny dadatoa na dadafara''
Nanohy niresaka tamin'i Jakoba i Isaka
Ny teny hoe ''hahamaro'' dia manazava izay hanaovan'Andriamanitra an'i Jakoba ''hahavokatra.'' DH: "hanome zanaka sy taranaka maro ho anao''
Miresaka mahakasika ''ny fitahiana olona'' toy ny hoe zavatra izay afaka omena olona ny fitahiana. Ny anarana hoe ''ilay fitahiana'' dia azo atao hoe ''mitahy.'' DH: "Hitahy anao sy ireo taranakao anie Andriamanitra tahaka izay nitahiany an'i Abrahama'' na ''Homen'Andriamanitra anao sy ireo taranakao anie izay nampanantenainy an'i Abrahama''
Ny fanomezan'Andriamanitra ny tany Kanana an'i Jakoba sy ireo taranany dia resahina toy ny zaza izay mandova vola sy fananana avy amin'ny rainy.
''ny tany izay efa nipetrahanao"
"izay nampanantenan'Andriamanitra an'i Abrahama"
Anarana hafa iantsoana ny faritr'i Mesopotamia izany, izay mitovy amin'izay misy an'i Iraka taty aoriana (Iraka vaovao). Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:19.
Rain'i Rebeka i Betoela. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 22:20.
Miova amin'ny fitantarana an'i Jakoba mankany amin'ny fitantarana an'i Esao ny tantara
Nampiasaina izany teny izany eto mba hanamarihana ny fiovana eo amin'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Esao.
Anarana hafa iantsoana ny faritr'i Mesopotamia izany, izay mitovy amin'izay misy an'i Iraka taty aoriana (Iraka vaovao). Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:19.
''haka vady ho azy / haka vady ho an'i tenany''
''Nahita ihany koa Esao fa nitso-drano an'i Jakoba i Isaka''
''Aza maka''
''ireo zazavavy avy any Kanana'' na ''ireo vehivavy kananita''
Manohy ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Esao izany.
''nahatsapa i Esao''
''Isaka rainy dia tsy nanaiky ireo vehivavy avy any Kanàna''
''ireo zazavavy avy any Kanana'' na ''ireo vehivavy kananita''
''noho izany''
''ho fanampin'ireo vady izay efa nananany''
Anaran'ny iray amin'ireo zanaka vavin'i Ismaela izany.
Anaran'ny iray amin'ireo zanaka lahin'i Ismaela izany.
Miverina amin'ny fitantarana an'i Jakoba ny tantara
"tonga teo amin'ny toerana iray izy, ary satria efa nody ny masoandro, dia nanapa-kevitra ny hijanona tao mandritry ny alina"
''Nanofy Jakoba''
''ny fotony dia niorina tamin'ny tany''
Ilazana ny toerana izay honenan'Andriamanitra izany.
Ny teny hoe ''Indro'' dia misarika ny fifantohantsika amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka.
Ireo mety ho heviny dia 1) ''nitsangana teo amin'ny tendron'izany tohatra izany Yaveh'' na 2) nitsangana teo anilan'i Jakoba Yaveh''
Eto ny ''ray'' dia midika hoe ''razambe.'' DH: "Abrahama razambenao''
Nanohy niresaka tamin'i Jakoba tao anaty nofy Andriamanitra.
Hampitahain'Andriamanitra amin'ny vovokin'ny tany ireo taranak'i Jakoba mba hanindrina fa tsy tambo isaina izy ireo. DH: "Hanana taranaka maro mihoatra izay azonao isaina ianao''
Nampiasaina ny teny hoe ''ianao'' eto na dia milazana ireo taranak'i Jakoba aza. I Jakoba ihany no resahina satria izy no loham-pianakaviana. DH: "ary hiely hatrany andrefana ireo taranakao''
Ny heviny dia hoe hiparitaka amin'ireo sisin'ireo tanin'izy ireo ary hameno toerana betsaka kokoa ny olona.
Ireo andian-teny ireo dia nampiasaina niaraka mba hidika hoe: ''amin'ny lalana rehetra''
Afaka atao izany hoe: DH: "Hitahy ireo fianakaviana eto an-tany rehetra Aho avy amin'ny alalanao sy amin'ny alalan'ireo taranakao''
Izany dia manampy hanasongadinana izay holazaina manaraka. DH: "Jereo'' na ''henoy'' na ''henoy tsara izay holazaiko anao''
'''fa tsy handao anao Aho mandra-pahavitako ny zavatra rehetra''
''hiaro anao ho hiheren-doza Aho'' na ''hiambina anao Aho''
''Hitondra anao miverina amin'ity tany ity indray Aho''
''taitra tamin'ny torimasony ''
Ny andian-teny ''vavahadin'ny lanitra'' dia manazava fa izany toerana izany dia ilay fidirana mankany amin'ny ''tranon'Andriamanitra'' sy ''ilay fidirana mankany amin'ny toerana izay honenan'Andriamanitra.''
Miresaka momba ny fidirana mankany amin'ny toerana izay honenan'Andriamanitra toy ny fanjakana ara-bakiteny izay manana vavahady izay sokafana mba hamelana ny olona hiditra ao.
vato fahatsiarovana izany, izany hoe, vato lehibe na vatolampy (vato lahy) natsangana mba hanamarihana izany(fahatsiarovana izany).
Izany fihetsika izany dia toa mari-pamantarana fa nanokana izany tsangam-bato izany ho an'Andriamanitra i Jakoba. Ny tena dikan'izany fanambarana izany dia azo atao mazava. DH: "'nandraraka menaka teo an-tampon'izany mba hanokanana ilay tsangam-bato ho an'Andriamanitra''
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''ny anarana hoe Betela dia midika hoe: 'tranon'Andriamanitra.''
Anaran-tanàna izany.
''nivoady'' na ''nanao fianianana manetriketrika tamin'Andriamanitra''
miresaka amin'Andriamanitra i Jakoba. Afaka atao izany hoe: DH: "Raha (...)Ianao ... dia Ianao, Yaveh, no ho Andriamanitra izay hotompoko" (UDB)
Milaza ny dian'i Jakoba hitady vady sy hiverina hody izany. DH: "amin'ny diany"
Eto ''ny mofo'' dia milaza ny sakafo amin'ny ankapobeny.
Eto ny ''trano'' dia ilazana ny fianakavian'i Jakoba. DH: "ho any amin'ny raiko sy ny fianakaviako sisa''
Midika izany fa ilay vato dia hanamarika ny toerana izay nisehoan'Andriamanitra taminy ary ho toerana izay hahafahan'ny olona manompo amin'Andriamanitra. DH: "tranon'Andriamanitra'' na ''toeran'Andriamanitra''
1 Dia nanohy ny diany indray Jakoba ka tonga teo amin'ny tanin'ny mponina tatsinanana. 2 Raha nijery izy, dia nahita fantsakana teo amin'ny saha, ary, indro, nisy andian'ondry aman'osy telo nandry teo anilan'izany. Fa teo ivelan'izany fantsakana izany no nampisotron'ireo ny ondry aman'osiny, ary lehibe ny vato teo amin'ny vavan'ilay fantsakana. 3 Koa rehefa tafangona eo ireo ondry aman'osy rehetra, dia hakodin'ny mpiandry ondry ny vato eo amin'ny vavan'ny fantsakana ka hampisotroiny ny ondry, ary avy eo saronana eo amin'ny vavan'ny fantsakana indray ny vato, ho eo amin'ny fitoerany. 4 Hoy Jakoba tamin'izy ireo hoe: "Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo?" Izy ireo namaly hoe: "Avy any Harana izahay." 5 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Fantatrareo ve Labana zanak'i Nahora?" Hoy izy ireo hoe: "Fantatray izy." 6 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Salama ve izy?" Hoy izy ireo hoe: "Salama izy, ary, indro, Rahely zanany vavy tamy miaraka amin'ny ondry." 7 Hoy Jakoba hoe: "Indro, fa misasaka ny andro. Mbola tsy fotoana fanangonana ny ondry aman'osy izao. Tokony hanome rano ny ondry ianareo ka andeha ary hamela ireo hiraoka eny." 8 Hoy izy ireo hoe: "Tsy afaka manome rano ireo izahay raha tsy efa tafangona avokoa ireo ondry aman'osy rehetra. Avy eo ireo lehilahy hanakodia ilay vato eo amin'ny vavan'ny fantsakana, dia hampisotroinay rano ny ondry." 9 Raha mbola niresaka tamin'izy ireo Jakoba, dia indro Rahely tamy niaraka tamin'ireo ondrin'ny rainy, satria niandry ireo izy. 10 Rehefa hitan'i Jakoba i Rahely, zanaka vavin'i Labana, anadahin-dreniny, sy ny ondrin'i Labana, anadahin-dreniny, dia nanatona Jakoba, nanakodia ny vato teo amin'ny vavan'ny fantsakana, ka nampisotro rano ny ondry aman'osin'i Labana, anadahin-dreniny. 11 Nanoroka an'i Rahely i Jakoba ary nitomany mafy. 12 Nolazain'i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy izy, ary izy no zanaka lahin'i Rebeka. Dia nihazazaka i Rahely ka nilaza tamin-drainy. 13 Nony ren'i Labana ny vaovao momba an'i Jakoba zanaky ny anabaviny, dia nihazakazaka hitsena azy izy, ka namihina azy, nanoroka azy, ary nitondra azy tany an-tranony. Nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany zavatra rehetra izany. 14 Dia hoy Labana taminy hoe: "Taolako sy nofoko tokoa ianao." Dia nijanona tokony ho iray volana teo aminy Jakoba. 15 Hoy indray Labana tamin'i Jakoba hoe: "Tokony hanompo ahy maimaim-poana ve ianao satria havako? Lazao amiko, ohatrinona ny karamanao?" 16 Ary nanana zanaka roa vavy Labana. Lea no anaran'ny zokiny, Rahely kosa no anaran'ny zandriny. 17 Lea dia nalefa-pijery, fa Rahely kosa dia tsara bika no sady tsara tarehy. 18 Jakoba dia tia an-dRahely, ka hoy izy hoe: "Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy." 19 Hoy Labana hoe: "Tsara kokoa raha homeko anao izy, toy izay homeko lehilahy hafa. Mijànona miaraka amiko." 20 Koa dia nanompo fito taona Jakoba mba hahazoany an-dRahely; ary tahaka ny andro vitsy ho azy ihany izany, noho ny fitiavany azy. 21 Dia hoy Jakoba tamin'i Labana hoe: "Omeo ahy ny vadiko, fa efa feno ny fe-potoana—mba hanambadiako azy!" 22 Dia novorian'i Labana ny olona rehetra tao an-toerana ary nanao lanonana. 23 Nony hariva, dia nalain'i Labana i Lea zanany vavy ka nentiny teo amin'i Jakoba, izay niaraha-nandry taminy. 24 Nanome an'i Zilpa mpanompo vaviny an'i Lea zanany vavy, mba ho mpanompony i Labana. 25 Nony maraina, dia indro, fa Lea no teo! Hoy Jakoba tamin'i Labana hoe: "Inona izao nataonao tamiko izao? Tsy nanompo anao ve aho mba hahazoako an'i Rahely? Nahoana no dia namitaka ahy ianao?" 26 Hoy Labana hoe: "Tsy fombanay ny manome ny zandriny vavy alohan'ny zokiny. 27 Tanteraho volantantelin'ity zanaka vavy ity, dia homenay anao koa ny anankiray mba hanompoanao ahy fito taona indray." 28 Dia nataon'i Jakoba izany, ka notanterahany ny herinandron'i Lea. Dia natolotr'i Labana azy koa Rahely zanany vavy mba ho vadiny. 29 Dia natolotr'i Labana an'i Rahely zanany vavy koa i Bila, mba ho mpanompony. 30 Dia nandry niaraka tamin-dRahely koa Jakoba, fa tiany mihoatra noho i Lea Rahely. Dia nanompo an'i Labana fito taona indray Jakoba. 31 Hitan'i Yaveh fa tsy mba notiavina Lea, ka nampanan'anaka azy Izy, fa Rahely kosa dia momba. 32 Dia nitoe-jaza i Lea ary niteraka zaza lahy izy, ka nataony hoe Robena ny anarany. Fa hoy izy hoe: "Satria efa nitsinjo ny fahoriako i Yaveh; dia ho tian'ny vadiko tokoa aho izao." 33 Dia nitoe-jaza indray izy ka niteraka zaza lahy. Hoy izy hoe: "Satria efa ren'i Yaveh fa tsy mba tiana aho, dia izany no nanomezany ahy ihany koa ity zaza ity," ary ny anarany nataony hoe Simeona. 34 Dia nitoe-jaza indray izy ka niteraka zaza lahy. Hoy izy hoe: "Ankehitriny kosa dia hifikitra amiko ny vadiko, satria efa niteraka zaza lahy telo ho azy aho." Izany no nanaovany ny anarany hoe Levy. 35 Dia nitoe-jaza indray izy ka niteraka zaza lahy. Hoy izy hoe: "Ankehitriny dia hidera an'i Yaveh aho." Izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.
Ny heviny dia ny olon'i Padan-arama, izay tany amin'ny tany atsinanan'ny tany Kanana.
Ny teny hoe ''indro'' dia manamarika ny fiandohan'ny tranga hafa ao amin'ny tantara lava kokoa. Mety manana fomba fanaovana izany ny fiteninao.
''Fa avy amin'izany fatsakàna izany.'' Izany andian-teny izany dia manamarika ny fiovana avy amin'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika ny fomba nampisotroan'ireo mpiandry rano ireo ondry aman'osy.
''hampisotroin'ireo mpiandry rano'' na ''hampisotroin'ireo mpikarakara ny ondry rano''
Eto ny ''vava'' dia fomba ilazana ny fisokafany. DH: " ny fisokafan'ilay fatsakàna''
''niteny tamin' ireo mpiandry Jakoba hoe''
Fomba mihaja fiarahabana ny vahiny izany.
Eto ny ''zanaka lahy'' dia ilazana ny taranaka lehilahy. Ny mety ho heviny hafa dia ''Labana ilay zafikelin'i Nahora.''(UDB)
''Ary jereo! fa i Rahely zanany vavy ity tamy miaraka amin'ny ondry''
'''mbola misandratra eny amin'ny lanitra ny masoandro'' (UDB) na ''mbola vao mamiratra be ny masoandro''
Afaka atao izany hoe: DH: "ho fanangonana ny ondry aman'osy ho anareo''
Ny heviny dia manangona azy ireo miaraka ao anaty vala mba hijanona ao ny alina. Afaka ataonao mazava ny dikan'izany.
''aoka izy ireo hiraoka ahitra eny an-tsaha''
''tsy maintsy miandry izahay amin'ny fanomezana rano azy ireo''. Mahakasika resaka fotoana izany, fa tsy alalana.
Afaka atao izany hoe: DH: "mandra-panangon'ny mpiandry hafa ireo ondry aman'osiny''
Eto ny ''vava'' dia fomba ilazana ny fisokafany. DH: " ny fisokafan'ilay fatsakàna''
''avy eo dia hampisotroinay rano ny ondry''
''dadatoany'' na ''dadafarany''
Eto ny ''vava'' dia fomba ilazana ny fisokafany. DH: " ny fisokafan'ilay fatsakàna''
Fanao taloha tany amin'ny Atsinanana Akaiky, ny manoroka ny havana akaiky ho fiarahabana. Na izany aza, ny lehilahy samy lehilahy no manao izany. Raha manana fomba fiarahabana havana izay maneho fitiavana ny fiteninao, dia ampiasao izany. Raha tsy misy dia ampiasao izay mifanaraka.
Nitomany Jakoba satria faly loatra izy. Afaka ataonao mazava ny tena dikan'izany fanambarana izany.
''izay mifandray amin'ny rainy''
''zanaka lahin'ny anabaviny''
''namihina azy''
Fanao taloha tany amin'ny Atsinanana Akaiky, ny manoroka ny havana akaiky ho fiarahabana. Na izany aza, ny lehilahy samy lehilahy no manao izany. Raha manana fomba fiarahabana havana izay maneho fitiavana ny fiteninao, dia ampiasao izany. Raha tsy misy dia ampiasao izay mifanaraka.
''ary avy eo dia nolazain'i Jakoba an'i Labana avokoa izay nambaran'i Rahely azy''
Ny hevitr'izany andian-teny izany dia hoe fehezin'ny rohim-pihavanana akaiky izy ireo. DH: "ny havako'' na ''isam-pianakaviako''
Nampiasa izany fanontaniana izany i Labana mba hanindrina fa tokony handoa vola amin'i Jakoba izy tamin'ny fanaovany ny asany. Azo atao fanambarana izany fanontaniana izany. Afaka atao ihany koa izany hoe: DH: "rariny tokoa raha handoa vola any aminao aho tamin'ny fanaovanao ny asa ho ahy na dia havako aza ianao.
Ny teny ''ary'' eto dia nampiasaina hanamarihana ny fiovana eo amin'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika ireo zanaka vavin'i Labana.
Ireo mety ho heviny dia 1) ''nahafinaritra ny fijery ny mason'i Lea'' na 2) ''marin-drano (mitovy tantana) ny mason'i Lea''
Eto ny teny hoe ''tia'' dia ilazana ny fifanintonan'ny fo eo amin'ny lehilahy sy vehivavy iray.
''noho izay homeko lehilahy hafa izy''
'''kanefa dia tahaka ny andro vitsy ho azy ihany ny fotoana''
''amin'ny fijery ny fitiavany izay hananany ho azy'' na ''noho'ny fitiavany azy''
Eto ''ny andro'' dia ilazana ny fotoana lava. Ny andian-teny ''efa feno'' dia azo atao tsotra hoe: DH:''Omeo ahy Rahely mba hanambadiako azy, fa efa niasa ho anao aho nandritra ny fito taona!''
'''nikarakara lanonam-panambadiana.'' Azo eritreretina tokoa fa nanana olona hafa mpikarakara ny lanonana i Labana. DH: "nampaniraka olona hikarakara lanonam-panambadiana.''
Toa manambara izany fa tsy fantatr'i Jakoba fa niaraka tamin'i Lea izy satria maizina ka tsy afaka nahita izy. Afaka ataonao mazava ny tena dikan'izany.
Eto ny mpanoratra dia manome fampahafantarana fototra mahakasika an'i Labana izay nanome an'i Zilpa ho an'i Lea. Azo eritreretina tokoa fa mialohan'ny fanambadiana dia nanome an'i Zilpa ho an'i Lea izy.
Anaran'ny mpanompo vavin'i Lea izany.
''taitra i Jakoba nahita an'i Lea teo am-pandriana niaraka taminy. Ny teny hoe ''indro'' eto dia maneho fa taitra nohon'ny amin'izay hitany i Jakoba.
Mampiasa izany fanontaniana izany Jakoba mba hanehoany ny fahatezerany sy ny fahatairany. DH: "Tsy mino aho hoe nahavita izany tamiko ianao!'' Izany fanontaniana fampisainana izany dia azo atao toy ny fanambarana.
Mampiasa izany fanontaniana izany Jakoba mba hanehoany ny ratram-pony ny amin'ny namitahan'i Labana azy. Izany fanontaniana fampisainana izany dia azo atao toy ny fanambarana. DH: "nanompo anao nandritra ny fito taona aho mba hanambadiako an'i Rahely!''
''amin'ny fianakavianay dia tsy manome''
''vitao ny fankalazana ny erinandrom-panambadian'i Lea''
Afaka ataonao mazava ny tena hevitr'izany. DH: "ary amin'ny erinandro ho avy dia homenay anao ihany koa i Rahely''
''ary Jakoba dia nanao izay nasain'i Labana natao, ary namita ny fankalazana ny erinandrom-panambadian'i Lea''
Anaran'ny mpanompo vavin'i Rahely izany.
Fomba mihaja ilazana fa nanana fifandraisana ara-panambadiana izy ireo. DH: "Nanambady an'i Rahely i Jakoba" (UDB)
Eto ny teny hoe ''tia'' dia ilazana ny fifanintonan'ny fo eo amin'ny lehilahy sy vehivavy iray.
Afaka atao izany hoe: DH: "tsy tia an'i Lea Jakoba''
Izany dia fampitomboana mba hanasongadinana fa i Jakoba tia an'i Rahely kokoa raha mitahy amin'i Lea. DH: "tsy dia tia azy mihoatra an'i Rahely''
Nanao izay hampanan'anaka an'i Lea Andriamanitra dia resahina toy ny hoe nanokatra ny tranon-janany Andriamanitra.
''tsy afaka ny ho bevohoka''
''bevohoka i Lea ary niteraka zaza lahy''
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Robena dia midika hoe' indro, zaza lahy.'''
Niaina fangirifirina ara-po i Lea satria efa nanilika azy i Jakoba. Ny anarana hoe: ''fahoriana'' dia azo atao matoanteny. DH: "Hitan'i Yaveh fa nampahoriana aho''
''Ary dia bevohoka indray Lea''
''niteraka zanaka lahy''
Afaka atao izany hoe: DH: "efa ren'i Yaveh fa tsy mba tia ahy ny vadiko''
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Simeona dia midika hoe' nihaino.'''
''hamihina ahy ve ny vadiko''
''efa niteraka zaza lahy telo ho azy aho''
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Levy dia midika hoe' nifikitra.'''
"nitoe-jaza indray i Lea"
"niteraka zanaka lahy"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Joda dia midika hoe' midera.'''
1 Rehefa hitan'i Rahely fa tsy nanome anaka an'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny Rahely. Niteny tamin'i Jakoba izy hoe: "Omeo zanaka aho, raha tsy izany dia ho faty aho." 2 Nirehitra tamin'i Rahely ny hatezeran'i Jakoba. Hoy izy hoe: "Moa izaho no eo amin'ny toeran'Andriamanitra, izay nitazona anao tsy hanan-janaka?" 3 Hoy izy hoe: "Indro, ity ny mpanompoko Bila. Mandria miaraka aminy, mba hahafahany miteraka zaza ho eo am-pofoako, ka hananako zanaka avy aminy." 4 Dia nomeny azy ho vadiny i Bila mpanompo vaviny, ary Jakoba nandry niaraka taminy. 5 Nitoe-jaza ary niteraka zanaka lahy ho an'i Jakoba Bila. 6 Dia hoy Rahely hoe: "Nitsara tamin'ny fankasitrahako Andriamanitra. Nihaino ny vavaka nataoko Izy ary nanome zanaka lahy ahy." Noho izany antony izany no niantsoany ny anarany hoe Dana. 7 Bila, mpanompon'i Rahely, dia nitoe-jaza indray ary niteraka zanaka lahy faharoa ho an'i Jakoba. 8 Hoy Rahely hoe: "Tamin'ny tolona mahery no nitolomako tamin'ny rahavaviko ary nandreseko." Nantsoiny hoe Naftaly ny anarany. 9 Rehefa hitan'i Lea fa nijanona tsy nanan-janaka izy, dia nalainy Zilpa, mpanompo vaviny, ary nomeny ho vadin'i Jakoba izy. 10 Zilpa, mpanompon'i Lea, dia niteraka zanaka lahy ho an'i Jakoba. 11 Hoy Lea hoe: "Vintana ity!" Dia nantsoiny hoe Gada ny anarany. 12 Avy eo Zilpa, mpanompon'i Lea, niteraka zanaka lahy faharoa ho an'i Jakoba. 13 Hoy Lea hoe: "Sambatra aho! Fa ireo zanaka vavy hiantso ahy hoe sambatra." Dia nantsoiny hoe Asera ny anarany. 14 Nandeha tamin'ny andron'ny fijinjam-bary Robena ary nahita dodaima tao an-tsaha. Nentiny tany amin'i Lea reniny ireo. Dia hoy Rahely tamin'i Lea hoe: "Omeo sasany amin'ireo dodaiman'ny zanakao lahy aho." 15 Hoy Lea taminy hoe: "Olana kely ve aminao, ny nangalanao ny vadiko? Te haka ny dodaiman'ny zanako lahy ihany koa ianao izao?" Hoy Rahely hoe: "Dia hiara-handry aminao izy rahalina, ho takalon'ireo dodaiman'ny zanakao lahy." 16 Avy tany an-tsaha Jakoba ny hariva. Nivoaka Lea mba hihaona taminy ary niteny hoe: "Tsy maintsy miara-mandry amiko ianao rahalina, fa nofaiko tamin'ireo dodaiman'ny zanako lahy ianao. Dia niara-nandry tamin'i Jakoba Lea ny alina. 17 Nihaino an'i Lea Andriamanitra, dia nitoe-jaza sy niteraka zanaka lahy fahadimy ho an'i Jakoba izy. 18 Hoy Lea hoe: "Nomen'Andriamanitra ahy ny karamako, satria nanome ny mpanompo vaviko ho an'ny vadiko aho." Nantsoiny hoe Isakara ny anarany. 19 Nitoe-jaza indray Lea ary niteraka zanaka lahy faha-enina ho an'i Jakoba. 20 Hoy Lea hoe: "Nomen'Andriamanitra fanomezana tsara aho. Izao dia hanome voninahitra ahy ny vadiko, satria niteraka zanaka lahy enina ho azy aho." Nantsoiny hoe Zebolona ny anarany. 21 Rehefa afaka izany dia niteraka zanaka vavy izy ary nantsoiny hoe Dina ny anarany. 22 Nahatsiaro an'i Rahely Andriamanitra ary nihaino azy. Nampanan'anaka izy Izy. 23 Nitoe-jaza ary niteraka zanaka lahy izy. Hoy izy hoe: "Nesorin'Andriamanitra ny henatro." 24 Nantsoiny hoe Josefa ny anarany, ary nanao hoe: "Nanampy zanaka lahy iray hafa ho ahy Yaveh." 25 Tao aorian'ny niterahan'i Rahely an'i Josefa, dia niteny tamin'i Labana Jakoba hoe: "Alefao aho, mba hahafahako mandeha mankany amin'ny tranoko sy any amin'ny tanànako. 26 Omeo ahy ireo vadiko sy ireo zanako izay ho azy ireo no nanompoako anao, ary avelao aho andeha, fa ianao mahafantatra ny fanompoana nataoko anao." 27 Hoy Labana taminy hoe: "Raha mahita fankasitrahana eo imasonao aho ankehitriny, dia andraso, satria fantako tamin'ny fampiasana sikidy fa nitahy ahy noho ianao i Yaveh. 28 Dia hoy izy hoe: "Teneno hoe ohatrinona ny karamanao, dia ho aloako ireo." 29 Jakoba niteny taminy hoe: "Fantatrao ny fomba nanompoako anao, sy ny fomba nitomboan'ny biby fiompinao niaraka tamiko. 30 Fa kely no nanananao talohan'ny nahatongavako, ary nitombo be lavitra izany. Nitahy anao Yaveh na taiza na taiza niasako. Ary rahoviana aho no mba hihary ho an'ny tokantranoko koa?" 31 Dia hoy Labana hoe: "Inona no ho aloako aminao?" Hoy Jakoba hoe: "Tsy hanome ahy na inona na inona ianao. Raha hanao izao zavatra izao ho ahy ianao, dia ho hamahana indray ny biby fiompinao ary hiambina izany aho. 32 Avelao aho hamakivaky ny biby fiompinao rehetra androany, hanala ny ondry pentipetina sy sada rehetra amin'izany, ary izay mainty rehetra eo amin'ny ondry, ary ny sada sy ny pentipentina eo amin'ireo osy. Izany no ho karamako. 33 Ny tsy fivadihako no ho vavolombelona ho ahy any aoriana, rehefa tonga hijery ireo karamako ianao. Ny rehetra izay tsy pentipentina sy sada eo amin'ireo osy, ary tsy mainty eo amin'ny ondry, raha misy hita aty amiko, dia ho atao toy ny nangalarina." 34 Hoy Labana hoe: "Ekena. Aoka ho araka ny teninao izany." 35 Tamin'io andro io Labana dia nanala ireo osy lahy izay sadika sy sada, sy ireo osy vavy rehetra izay pentipentina sy sada, ny rehetra izay nisy fotsy taminy, ary ireo mainty rehetra teo amin'ireo ondry, ka nanome ireo ho eo an-tanan'ireo zanany lahy. 36 Nanisy lalan-kateloana teo anelanelany sy Jakoba ihany koa Labana. Noho izany dia nijanona niandry ny ambin'ireo biby fiompin'i Labana i Jakoba. 37 Naka tapaka rantsan-kazo popola maitso Jakoba, sy tamin'ny hazo amygdala sy hazo planata, ary namaofy ny fotsy tamin'ireo, ary nanao izay ampiseho ny aty fotsin'ny hazo izay tao amin'ireo tapa-kazo. 38 Dia nametraka ireo tapa-kazo izay novoasany teo anoloan'ireo biby fiompy, teo anoloan'ireo tavy fisotroana rano izay nandehanan'ireo hisotro izy. Nanan'anaka ireo rehefa tonga nisotro. 39 Niteraka teo anoloan'ireo tapa-kazo ireo biby fiompy; ary ireo biby fiompy niteraka sadika, sada, ary pentipentina. 40 Nosarahan'i Jakoba ireo zanak'ondry ireo, fa nanao ny ambin'ireo nifanatrika tamin'ireo biby sadika sy ny ondry mainty rehetra tao amin'ny biby fiompin'i Labana. Dia nosarahany ho azy irery ny biby fiompiny ka tsy nakambany niaraka tamin'ireo biby fiompin'i Labana. 41 Na oviana na oviana niterahan'ny ondry matanjaka tao amin'ny biby fiompy, dia nampandrian'i Jakoba teo amin'ny tavy fisotroana teo anoloan'ny mason'ireo biby fiompy ireo tapa-kazo, mba hafahan'izy ireo miteraka eo amin'ireo tapa-kazo. 42 Fa rehefa tonga ireo biby osa tamin'ireo biby fiompy, dia tsy nametraka ireo tapa-kazo teo anoloan'ireo izy. Koa an'i Labana ireo biby osa, ary an'i Jakoba ny mahery. 43 Lasa nanan-karena be ralehilahy. Nanana biby fiompy be izy, mpanompo vavy sy mpanompo lahy, ary rameva sy ampondra.
''Rehefa tsapan'i Rahely fa tsy afaka ny hanome zanaka an'i Jakoba izy''
Nampiasa izany filaza-masaka izany i Rahely mba hanehoana ny fahatezarany noho'ny tsy fananany zanaka. DH: "hahatsapa aho fa tena tsy misy ilaina ahy intsony''
''Ataovy izay hahabevohoka ahy''
Ny fahatezeran'i Jakoba dia resahina toy ny afo. DH: "tezitra mafy tamin'i Rahely i Jakoba''
Fanontaniana fampisainana izay nampiasain'i Jakoba hibedesana an'i Rahely izany. DH: "Tsy Andriamanitra aho! tsy izaho ilay manakana anao tsy hanan-janaka!"
''Hoy Rahely''
'''Henoy'' na ''Manongilana sofina amin'izay holazaiko anao.'' Manampy hanasongadinana izay holazain'i Rahely manaraka izany.
Tamin'izany fotoana izany, izany dia fomba azo ekena ho an'ny vehivavy momba hahafahany manan-janaka ara-dalàna. Ny tena heviny dia afaka atao mazava tsara.
Anaran'ny mpanompo vavin'i Rahely izany. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 29:28.
Izany dia fomba ilazana fa ny zaza izay haterak'i Bila dia ho an'i Rahely. DH: "ho ahy''
''ary amin'izany fomba izany no hampanany zanaka ho ahy''
Anaran'ny mpanompo vavin'i Rahely izany. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 29:28.
''nanome zanaka lahy ho an'i Jakoba ''
''i Rahely no nanome azy ilay anarana''
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Dana dia midika hoe 'nitsara izy.'''
''Bila ... nanan'anaka indray''
''ary nanome zanaka lahy faharoa ho an'i Jakoba''
Ny andian-teny ''tolona no (...) nitolomako'' dia fomba fiteny nampiasaina mba hanasongadinana''. Sarin-teny ihany koa izany izay ilazana ny fanandraman'i Rahely hanan-janaka tahaka ny rahavaviny toy ny hoe nanana fifanandrinana ara-batana tamin'i Lea izy. DH: "Nanana fifanandrinana lehibe mba hanan-janaka tahaka an'i Lea, zokiko vavy" (UDB)
''ary nandresy aho'' na ''nahomby aho''
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Naftaly dia midika hoe 'ny fitolomako.'''
''Rehefa fantatr'i Lea fa''
''nomeny ho vadin'i Jakoba, i Zilpa, mpanompo vaviny''
Anaran'ny mpanompo vavin'i Lea izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:23.
''nanome zanaka lahy ho an'i Jakoba''
''vintana re izany!'' na ''hatsaram-bintana re izao!"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Gada dia midika hoe 'vintana.'''
Anaran'ny mpanompo vavin'i Lea izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:23.
''nanome zanako lahy faharoa ho an'i Jakoba''
'''Sambatra tokoa aho!'' na ''endre izany hafaliako!''
''ireo vehivavy'' na ''ireo zazavavy''
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Asera dia midika hoe 'faly.'''
''Nandeha nivoaka i Robena''
Eto ny andian-teny ''tamin'ny andron'ny'' dia fomba fiteny ilazana ny vanim-potoana na fotoana ao anatin'ny taona. DH: "tamin'ny fotoanan'ny taom-pijinjam-bary'' na ''tamin'ny fotoanan'ny fijinjam-bary''
Voankazo izay voalaza fa mampitombo ny famokarana zaza sy ny faniriana hiara-mandry amin'ny olon-tiana. DH: "voankazon'ny fitiavana''
'''Tsy raharahanao ... ny vadiko? ''fanontaniana fampisainana nampiasaina hibedesana an'i Rahely izany. Afaka atao ho fanambarana izany fanontaniana izany. DH: "tsy mbola ampy ihany ... ny vadiko.''
Fanontaniana fampisainana nampiasaina hibedesana an'i Rahely izany. Afaka atao ho fanambarana izany fanontaniana izany. DH: "Ankehitriny ianao te haka ... ihany koa!''
''Ary Jakoba handry'' na ''ary dia havelako handry Jakoba''
''ho saran'ny ireo dodaiman'ny zanako lahy'' na ''ho saran'ny ireo mandragoran'ny zanako lahy.'' Jereo ny nandikanao ny ''mandragora'' ao amin'ny 30:14.
''bevohoka izy''
''ary nanome zanaka lahy fahadimy ho an'i Jakoba''
Andriamanitra manome valisoa an'i Lea dia resahina toy ny lehibe izay mandoa ny karama ho an'ny olona izay miasa ho azy. DH: "Andriamanitra nanome ny tambiny tokony ho ahy'' na ''namaly soa ahy Andriamanitra''
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Isakara dia midika hoe 'misy valisoa.'''
''bevohoka indray Lea''
''ary nanome zanaka lahy faha-enina ho an'i Jakoba''
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Zebolona dia midika hoe 'voninahitra.'''
Anaran'ilay zanaka vavin'i Lea izany.
Ny andian-teny ''namerina an-tsaina'' dia midika hoe nahatsiaro. Tsy midika izany hoe nanadino an'i Rahely Andriamanitra. Ny heviny dia nihevitra ny fangatahany izy. DH: "nihevitra an'i Rahely Andriamanitra ary nanome azy izay nilainy''
Andriamanitra nanao izay tsy hahatsapan'ny Rahely fahamenatra intsony dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka esorin'ny olona amin'ny olona iray ''ny fahamenarana''. Ny anarana hoe ''fahamenarana'' dia afaka atao hoe ''menatra''. DH: "Andriamanitra nahatonga ahy tsy hahatsapa ny fahamenarana intsony''
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Josefa dia midika hoe 'hanampy anie izy.'''
Ireo zanaka lahin'i Rahely voalohany dia avy amin'i Zilpa mpanompo vaviny.
''Tao aorian'ny niterahan'i Rahely an'i Josefa''
''mba hahafahako mandeha''
Nampahatsiahy an'i Labana ny fifanarahin'izy ireo i Jakoba (29:26). Ny anarana hoe ''fanompoana'' dia azo atao hoe ''nanompo.'' DH: "fantatrao fa efa ampy izay nanompo anao ela izay''
''Hoy Labana tamin'i Jakoba''
Ny andian-teny ''eo imasonao'' dia sarin-teny izay maneho ny eritreritra na ny fisainan'i Jakoba. DH: "'Raha mahita fankasitrahana aminao aho'' na '''Raha nankasitrahanao aho'' (UDB)
Fomba fiteny izay midika ny faneken'ny olona ny olon-kafa izany.
''mba mijanona ihany, satria''
''hitako tamin'ny alalan'ny fanahiko manokana sy fampiasana hery miafina''
''nohon'ny aminao''
Afaka ataonao mazava izany hoe: DH: "Lazao ahy hoe ohatrinona ny tokony halohanao mba hijanonanao eto''
''Jakoba niteny tamin'i Labana''
'''tahaka ny inona ny nitomboan'ny biby fiompinao hatramin'izay nanombohako nikarakara azy ireo''
'''vitsy ireo biby fiompinao talohan'ny niasako ho anao''
''fa ankehitriny kosa dia nitombo fatratra ireo harenao''
''Ary rahoviana aho no mba hihahy ny tokantranoko koa?" Nampiasa izany fanontaniana izany i Jakoba mba hanindrina fa te hanomboka hihahy ho an'ny tokantranony manokana amin'izay izy. Afaka atao ho fanambarana izany fanontaniana izany. DH: "Ary ankehitriny aho mba te hihahy ny tokantranoko koa!"
''Inona no afaka aloako aminao'' na ''Inona no afaka homeko anao.'' Afaka atao mazava izany hoe: DH: "Inona no afaka aloako aminao mba hijanonanao ary hiasanao ho ahy''
Ny mpampitohy ''kanefa'' dia afaka ampidirana eto mba hilazana ny zavatra tokana izay irin'i Jakoba. DH: "Kanefa raha hanao izao zavatra izao ho ahy ianao''
''hamahana sy hikarakara ny biby fiompinao''
''ary hanala ny ondry sada rehetra, ny ondry mainty rehetra, ary ny osy sada rehetra''
''Izany no ho sandan'ny fijanonanako eto''
Ny teny hoe ''tsy fivadihana'' dia midika hoe ''fahitsiam-po.'' Miresaka ny ''tsy fivadihana'' toy ny hoe olona izany izay afaka mijoro vavolombelona hanohitra ny hafa izany. DH: "Ao aoriana dia ho fantatrao raha nanana fahitsiam-po taminao aho na tsia''
Afaka atao izany hoe: DH: "Raha mahita tsy sada amin'ireo ondry na tsy mainty amin'ireo osy ianao, dia azonao atao ny manasokajy izany ho nangalarina''
Eto ny ''teny'' dia manambara izay nolazaina. DH: "Ho araka ny teninao izany'' na ''Hataontsika izay nolazainao'' (UDB)
''izay misy sadika sy sada''
''izay misy sada''
''ny osy rehetra izay misy fotsy aminy''
''ary ireo ondry mainty rehetra''
Eto ny ''tanana'' milaza ny fisahanana na ny fikarakarana. DH: "Nampikarakarainy ny zanany ireo''
Anaran-kazo miloko fotsy avokoa ireo.
''ary namaofy ny hodiny mba hampiseho ilay fotsy ao anatiny''
fitaovana fitahirizana rano ho sotroin'ny biby
'''Teraka ireo biby tamin' ireo biby fiompy'' na '''niteraka ireo biby fiompy''
''niteraka (osy na ondry kely) sadika sy sada''
Afaka ataonao mazava izany hoe: DH: "Nandritra ny taona maro nanaraka, i Jakoba dia nosarahany''
''nijery nanatrika''
''natokany ireo biby fiompiny''
Eto ny ''maso'' dia ilazana ny ''fahitana.'' DH: "mba hahafahan'ny biby fiompy mahita izany''
''eo anoloan'ireo tapa-kazo''
''ireo biby osa kokoa''
''Koa an'i Labana ireo zanaky ny biby osa, raha an'i Jakoba kosa ny mahery kokoa.'' Afaka ataonao mazava kokoa izany hoe: DH: "Koa an'i Labana ireo zanaky ny biby osa izay tsy misy sadika na sada, raha an'i Jakoba kosa ny mahery kokoa izay misy sadika sy sada.''
''Jakoba''
''nanan-karena fatratra'' na ''tonga tena mpanan-karem-be''
1 Ary Jakoba nandre ireo tenin'ny zanaka lahin'i Labana, izay nanao hoe: "Nalain'i Jakoba avokoa izay rehetra an'ny raintsika, ary avy tamin'ny fananan'ny raintsika no nahazoany ny hareny rehetra." 2 Hitan'i Jakoba teny amin'ny endriky ny tarehin'i Labana. Hitany fa niova ny fihetsiny taminy. 3 Avy eo Yaveh niteny tamin'i Jakoba hoe: "Miverena any amin'ny tanin'ireo razanao sy ireo havanao, ary homba anao Aho." 4 Ary Jakoba naniraka sy niantso an'i Rahely sy Lea ho any an-tsaha any amin'ireo ondry aman'osiny 5 ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Hitako niova ny fihetsiky ny rainareo tamiko, saingy niaraka tamiko ny Andriamanitry ny raiko. 6 Fantatrareo fa tamin'ny heriko manontolo no nanompoako ny rainareo. 7 Efa namitaka ahy ny rainareo ary nanova ny karamako impolo, saingy tsy navelan'Andriamanitra handratra ahy izy. 8 Raha niteny izy hoe: "Ireo biby sada rehetra no ho karamanao," dia niteraka mara ny ondry aman'osy rehetra. Raha nilaza izy hoe: "Ny sadika rehetra no ho karamanao," dia niteraka sadika avokoa ny ondry aman'osy rehetra. 9 Tamin'izany fomba izany no nangalan'Andriamanitra ny biby fiompin'ny rainareo ary nanomezany izany ho ahy. 10 Ary tamin'ny andron'ny fahatairana ka iraisana, dia hitako tao amin'ny nofy ireo osy lahy izay miray amin'ireo ondry aman'osy. Ireo osy lahy dia sadika, mara, ary sada. 11 Ny anjelin'Andriamanitra niteny tamiko tao anaty nofy hoe: 'Ry Jakoba.' Dia hoy aho hoe: 'Inty aho.' 12 Hoy izy hoe: "Atopazo ny masonao ary jereo ireo osy lahy rehetra izay miray amin'ireo ondry aman'osy. Sadika, sy mara ary sada ireo, satria hitako ny zavatra rehetra ataon'i Labana aminao. 13 Izaho no Andriamanitr'i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato, sy nanaovanao voady tamiko. Ankehitriny mitsangàna ka mialà amin'ity tany ity ary miverena any amin'ny tany nahaterahanao." 14 Namaly azy i Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: "Mbola misy anjara sy lova ho anay ve ao amin'ny tranon'ny rainay? 15 Tsy nataony toy ny fitondrana vahiny ve izahay? fa namidiny izahay, ary koa noviravirainy tanteraka ny volanay izy. 16 Fa ny harena rehetra izay nalain'Andriamanitra tamin'ny rainay ankehitriny dia anay sy ny zanakay. Koa ankehitriny, na inona na inona nolazain'Andriamanitra taminao, dia ataovy izany." 17 Avy eo dia nitsangana Jakoba ary nametraka ireo zanany lahy sy ny vadiny teo ambony rameva. 18 Nentiny avokoa ny biby fiompiny rehetra, niaraka tamin'ireo fananany rehetra, anisan'izany ny biby fiompy izay azony tany Padana-arama. Avy eo dia niainga mba hankany amin'Isaka rainy any amin'ny tany Kanana izy. 19 Raha nandeha mba hanety ny ondriny i Labana, dia nangalarin'i Rahely ny sampin-drainy. 20 I Jakoba ihany koa dia namitaka an'i Labana ilay Syriana, tamin'ny tsy fitenenana azy fa handeha izy. 21 Ka dia nitsoaka niaraka tamin'izay rehetra nananany izy ary niampita faingana ny ony, ary nizotra nankany amin'ny tany havoana an'i Gileada. 22 Tamin'ny andro faha-telo dia nolazaina tamin'i Labana fa nitsoaka i Jakoba. 23 Noho izany dia nalainy ireo havany ary nanaraka azy nandritra ny lalana hafitoana. Tratrany teo amin'ny tanànan'i Gileada izy. 24 Ary Andriamanitra tonga tamin'ny Labana ilay Syriana tamin'ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: "Tandremo mba tsy hanao teny tsara na ratsy an'i Jakoba ianao." 25 Tratran'i Labana i Jakoba. Ary Jakoba nanorina ny lainy teo amin'ilay tany havoana. Dia nanorina lay teo amin'ilay tany havoana an'i Gileada ihany koa i Labana niaraka tamin'ireo havany. [1]26 Hoy Labana tamin'i Jakoba hoe: "Inona no nataonao, no dia namitaka ahy ianao ka nitondra ireo zanako vavy toy ny babo an'ady? 27 Nahoana ianao no nitsoaka mangina sy namitaka ahy fa tsy niteny tamiko? Afaka nandefa anao tamin'ny fankalazana sy hira aho, niaraka tamin'ny aponga tapaka sy lokanga. 28 Tsy navelanao hanoroka hanao veloma ireo zafiko sy ireo zanako vavy aho. Ary adalana izao nataonao izao. 29 Manana hery handratrana anareo aho, saingy ny Andriamanitry ny rainareo niteny tamiko tamin'ny alina hoe: 'Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba na tsara na ratsy.' 30 Ankehitriny lasa ianao satria manina ny hiverina any an-tranon'ny rainareo. Saingy nahoana no nangalarinao ireo andriamanitro?" 31 Namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: "Satria natahotra aho ary nieritreritra fa ho halainao amiko amin-kery ireo zanakao vavy no nahatonga ahy handositra mangingina. 32 Na iza na iza nangalatra ny andriamanitrao dia ho faty izy. Eo anatrehan'ireo havantsika, dia fantaro izay rehetra ety amiko ka anareo dia alaivo izany." Satria tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no nangalatra izany. 33 Ary Labana nandeha nankany amin'ny lain'i Jakoba, tany amin'ny lain'i Lea, ary tany amin'ny lain'ireo mpanompo vavy roa, saingy tsy nahita azy ireo izy. Nivoaka tao amin'ny lain'i Lea izy ary niditra tao amin'ny lain'i Rahely. 34 Ary efa nalain'i Rahely ireo sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, ka nipetraka teo ambonin'izany izy. Nikaroka nanerana ny lay i Labana saingy tsy nahita ireo. 35 Hoy Rahely tamin'ny rainy hoe: "Aza tezitra, tompoko, fa tsy afaka mijoro eo anoloanao aho, satria tonga fadim-bolana aho." Ka dia nitady izy fa tsy nahita ireo sampiny. 36 Tezitra Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana. Hoy izy taminy hoe: "Inona no fandikan-dalàna nataoko? Inona no fahotako, no nanenjika ahy tamin-kafanam-po ianao? 37 Fa nosavainao avokoa ny fananako rehetra. Ary inona tamin'ireo rehetra zavatsoan'ny ankohonanao no hitanao? Apetraho eto anoloan'ireo havantsika izany, mba hahafahan'izy ireo mitsara eo amintsika roa tonta. 38 Fa niaraka taminao foana aho nandritry ny roapolo taona. Ireo ondry vavinao sy osy vavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondry lahy avy tamin'ireo ondrinao aho. 39 Tsy mba nentiko teo aminao izay voaviraviran'ireo bibidia. Fa kosa, izaho no nizaka ny fahaverezan'izany. Ataonao mandoa ny biby very rehetra foana aho, na ny nangalarina atoandro na ny nangalarina alina. 40 Tany aho; ny atoandro dia namely ahy ny hafanana, ary ny alina dia namely ahy ny fanala; ary tsy mba natory. 41 Nitoetra tao an-tranonao aho nandritr'izay roapolo taona izay. Niasa ho anao nandritry ny efatra ambin'ny folo taona aho mba hahazoako ireo zanakao roa vavy ary enin-taona ho an'ireo ondry aman'osinao. Novainao impolo ny karamako. 42 Raha tsy niaraka tamiko ny Andriamanitry ny raiko, ilay Andriamanitr'i Abrahama, ary ilay hatahoran'Isaka, dia ho nalefanao nandeha tanam-polo tokoa aho. Hitan'Andriamanitra ny fahoriako sy ny fiasako mafy, ka niteny mafy anao Izy tamin'ny alina." 43 Namaly Labana ka niteny tamin'i Jakoba hoe: "Ireo zazavavy ireo dia zanako vavy, zafikeliko ireo zafikely, ary ondry aman'osiko ireo ondry aman'osy. Izay hitanao rehetra dia ahy avokoa. Ankehitriny kosa inona no afaka ataoko ho an'ireo zanako vavy, na ho an'ireo zaza naterany? 44 Koa ankehitriny, andeha isika hanao fanekena, dia izaho sy ianao, ary aoka izany ho vavolombelona amiko sy aminao." 45 Noho izany dia naka vato Jakoba ary nanangana izany ho tsangam-bato. 46 Hoy Jakoba tamin'ireo havany hoe: "Manangona vato." Ka dia naka ny vato izy ireo ary nanao antontany. Avy eo izy ireo nihinana teo amin'ilay antontam-bato izy ireo. 47 Nantsoin'i Labana hoe Jegara-sahadota izany, fa Jakoba niantso izany hoe Galeda. 48 Hoy Labana hoe: "Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio." Noho izany ny anarany dia nantsoina hoe Galeda. 49 Antsoina ihany koa hoe Mizpa izany, satria hoy Labana hoe: "Yaveh anie hitsinjo ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika. 50 Raha ampijalianao ireo zanako vavy, na manambady hafa ankoatr'ireo zanako vavy ianao, na dia tsy misy olona hafa aza eto amintsika, dia indro Andriamanitra no vavolombelona eo amiko sy aminao." 51 Hoy Labana tamin'i Jakoba hoe: "Jereo ity antontam-bato ity, ary jereo ny tsangam-bato, izay naoriko eto anelanelantsika. 52 Vavolombelona ity antontam-bato ity, ary vavolombelona ilay tsangam-bato, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity mankany aminao, sy tsy hihoaranao ity antontam-bato sy tsangam-bato ity mankaty amiko, hanao ratsy. 53 Ilay Andriamanitr'i Abrahama, sy ilay andriamanitr'i Nahora, ary ireo andriamanitry ny rain'izy ireo anie hitsara antsika." Nianiana tamin'Ilay Tahotry Isaka rainy i Jakoba. 54 Nanolotra sorona tany an-tendrombohitra i Jakoba ary niantso ireo havany mba hihinana. Nihinana izy ireo ary nijanona teny an-tendrombohitra ny alina tontolo. 55 Vao mangiran-dratsy dia nifoha i Labana, nanoroka ireo zafikeliny sy ireo zanany vavy ary nitso-drano azy ireo. Avy eo dia niala teo ary niverina nankany an-tranony Labana.
Izany teny izany eto dia nampiasana mba hanamarihana ny fiatohana ao amin'ilay tena fizotry ny tantara. Eto ny mpanoratra dia manomboka mampiditra fizan-tantara vaovao.
Eto ny ''teny'' dia ilazana izay nolazain'ireo. dia DH: "Ren'i Jakoba fa ireo zanaka lahin'i Labana nilaza hoe''
Nampitombo ireo zanaka lahin'i Labana satria tezitra mafy izy ireo. DH: "Ny zavatra rehetra izay nalain'i Jakoba dia an'ny raintsika''
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy dika ihany. Ilay faharoa dia manazava ny fijery izay hitan'i Jakoba teny amin'ny endrik'i Labana. DH: "Nahatsikarika i Jakoba fa tsy faly taminy intsony i Labana.
''Isaka rainao sy Abrahama raibenao''
''naniraka ho any amin'i Rahely sy Lea ary nilaza tamin'izy ireo mba hiaona aminy any ivelan'ny saha niaraka tamin'ireo ondry aman'osiny''
Afaka atao fehezanteny roa fohifohy izany. DH: "ho any amin'ireo ondry aman'osiny. Nolazainy tamin'izy ireo''
''Tsikaritro fa tsy faly amiko intsony ny rainareo''
Eto ny teny hoe ''ianareo'' dia ilazana an'i Rahely sy Lea miaraka. Manampy amin'ny fanasongadinana ihany koa izany. DH: "Ny tenanareo mihintsy no nahafantatra fa nanompo ny rainareo tamin'ny heriko manontolo aho''
''Efa nandainga tamiko'' na ''tsy nanao fitondrana marina tamiko''
''izy no nilaza fa handoa karama ho ahy''
Ireo mety ho heviny dia 1) fandratrana ara-batana (UDB) na 2) nanao izay hampahory an'i Jakoba tamin'ny lafiny rehetra.
''Ireo biby misy pentina''
''namokatra zanaka ny ondry aman'osy''
''Ireo biby misy sadika''
''Toy izany ny nanomezan'Andriamanitra ahy ireo biby fiompin'ny rainareo''
Nanohy ny resany tamin'ireo vadiny i Jakoba dia Lea sy Rahely.
''Nandritra ireo andron'ny fahatairan'ireo biby fiompy ka iraisan'izy ireo''
Eto ''ny ondry aman'osy'' dia ilazana ireo osy vavy. DH: "miray amin'ireo osy vavy amin'ireo ondry aman'osy''
''ireo misy sada, misy mara kely, mara be''
Ireo mety ho heviny dia 1)naka endrika olona Andriamanitra raha niseho na 2)iray amin'ireo mpitondra hafatr'Andriamanitra no niseho. Koa satria tsy dia mazava loatra ny andian-teny, ny tena tsara dia ny mandika izany tsotra hoe: "ny anjelin'i Andriamanitra," mampiasa ny teny tsotra izay ampiasainao ho an'ny "anjely."
''Ary dia namaly aho hoe...''
''Eny, mihaino tokoa aho'' na ''Eny, ahoana izay?'' Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:1.
Nanohy niresaka tamin'i Jakoba ilay anjelin'i Andriamanitra.
Fomba filazana ny ''miandrandra'' na ''mitraka'' izany.
Eto ''ny ondry aman'osy'' dia ilazana ireo osy vavy. DH: "ireo izay miray amin'ireo osy vavy amin'ireo ondry aman'osy''
''ireo misy sadika sy sada''
Nandraraka menaka tamin'ilay tsangam-bato i Jakoba mba hanokanana izany ho an'Andriamanitra.
''ny tany izay nahaterahanao''
Tsy midika izany fa niara-niteny tamin'ny fotoana iray izy ireo. Manindry fotsiny izany fa nitovy ny hevitr'izy ireo.
Nampiasa izany fanontaniana izany i Rahely sy Lea mba hanasongadinana fa tsy misy zavatra najanon'ny rainy mba homena azy ireo.DH: "Tsy misy zavatra nijanona mba ho lovainy avy amin'ny rainy intsony!''
Nampiasa izany fanontaniana izany izy ireo mba hanehoana ny fahatezeran'izy ireo noho ny fitondran'ny rainy azy ireo. DH: ''ny raintsika dia nitondra antsika toy ny vehivavy hafa raha tokony ho toy ny fitondrana zanaka vavy!''
Afaka atao mazava izany hoe: DH: "Namidiny izahay ho amin'ny tombotsoany manokana''
Nandany tanteraka ny vola izay tokony nomena ireo zanany vavy i Labana dia resahina toy ny biby bibidia izay nihinana ny vola tahaka ny sakafo. DH: "Nandany tanteraka ny volanay''
''fananay sy ireo zanakay''
Eto ny '' ankehitriny'' dia tsy midika hoe: ''amin'izao fotoana izao,'' fa kosa nampiasaina mba hisarihina ny fifantohana ho amin'ny teboka manan-danja izay ho avy manaraka.
''ataovy izay rehetra nolazain'Andriamanitra''
Nalain'i Jakoba ireo zanany rehetra. Ny zanaka lahy ihany no voalaza eto satria manan-danja tahaka ny lovany izy ireo. DH: "ireo zanany''
''Nentiny avokoa ny biby fiompiny.'' Eto ny'' biby fiompy'' dia ilazana ireo biby fiompiny rehetra.
''ary ireo biby fiompy izay nalainy tamin'ireo tompony raha tany Padan-Arama izy''
''nankany amin'ny tany Kanana izy, izay nonenan'i Isaka rainy''
''Raha niainga mba hanety ny ondriny i Labana''
Ilazana ny Ony Efrata.
''nanohy ny dia nankany''
''ireo tendrombohitra Gileada'' na ''tendrombohitra Gileada''
Fomban'ny Jiosy ny manisa ny andro nandehanana ho toy ny andro voalohany. DH: " Roa andro tao aorian'ny andro nialany''
Afaka atao izany hoe: DH: "nisy olona nilaza tamin'i Labana''
I Jakoba ihany no voatonona satria izy no mpitarika ny fianakaviana. Afaka atao mazava fa niaraka taminy ireo fianakaviany. DH: "fa nitsoaka niaraka tamin'ireo vadiny sy ireo zanany Jakoba''
''dia nalain'i Labana''
''ary nanenjika an'i Jakoba''
Nandany fito andro nandeha tongotra hanatratra an'i Jakoba i Labana.
''Azony izy''
Ny teny hoe ''Ary''dia nampiasaina eto mba hanamarihana ny fiovana avy amin'ny tantara ho amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Labana. DH: "Tamin'izany alina izany dia tonga tamin'i Labana tamin'ny nofy Andriamanitra''
Ny andian-teny ''tsara na ratsy'' dia nampiasaina miaraka mba hidika hoe ''na inona na inona.'' DH: "Aza miteny zavatra na inona na inona mety hanandramana na hampitsaharana an'i Jakoba handao''
Ny teny hoe ''Ary''dia nampiasaina eto mba hanamarihana ny fiovana avy amin'ny tantara ho amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Jakoba sy Labana. DH: "raha nahatratra an'i Jakoba i Labana, i Jakoba dia nanorina ny lainy teo amin'ilay tany havoana. Koa dia nanorina ny lainy teo amin'ilay tany havoana an'i Gileada ihany koa i Labana niaraka tamin'ireo havany''
Niresaka momba ny fitondran'i Jakoba ny fianakaviany niaraka taminy mba hiverina any amin'ny tany Kanana toy ny hoe naka azy ireo toy ny babo izay nentina tao aorian'ny ady ka notereny handeha, i Labana. Nanitatra i Labana satria tezitra mafy izy ary nanao izay hahatsapan'i Jakoba fa meloka noho izay nataony izy.
''nitsoaka mangingina''
''tamin'ny fifaliana''
Entina milaza ny mozika ireo zava-maneno ireo. DH: "ary niaraka tamin'ny mozika''
Eto ny ''zafy'' dia ilazana ny zafy rehetra na ny lahy na vavy. DH: "hanoroka hanao veloma ireo zafiko''
''nanao adalana ianao''
Eto izany dia tsy midika hoe: ''amin'izao fotoana izao,'' fa kosa nampiasaina mba hisarihina ny fifantohana ho amin'ny teboka manan-danja izay ho avy manaraka.
Ny teny hoe: ''ianao'' dia ilazana ny olona rehetra niaraka tamin'i Jakoba. DH: "Manana olona ampy hiady ka handratra ny rehetra aminareo aho''
Ny andian-teny ''tsara na ratsy'' dia nampiasaina miaraka mba hidika hoe ''na inona na inona.'' Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:24 DH: "Aza miteny zavatra na inona na inona mety hanandramana na hampitsaharana an'i Jakoba handao''
Ilazana an'i Jakoba ny ''ianao'' eto.
Eto ny ''trano'' dia ilazana ny fianakaviana. DH: "'hody any an-trano hiaraka amin'ny rainao sy ny fianakavianao sasany''
''ireo sampinao''
''niainga mangingina aho satria natahotra aho fa haka ireo zanakao vavy amin-kery ianao''
Afaka omena hevitra tsara izany. DH: "Hamono an'izay nangalatra ireo andriamanitrao''
Ny teny hoe'' ...antsika'' dia ilazana an'ireo havan'i Jakoba sy an'ireo havan'i Labana. Ireo fianakaviana rehetra dia hijery mba hahazo antoka ny fahamarinana sy ny fahitsiana amin'ny zavatra rehetra.
''Jereo izay mety hananay ka anareo dia alaivo izany''
Izany dia niova avy amin'ny tantara ho amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Jakoba.
Ilazana an'i Zilpa sy Bila.
''tsy nahita an'ireo sampiny izy''
Ny teny hoe ''Ary''dia nampiasaina eto mba hanamarihana ny fiovana avy amin'ny tantara ho amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Rahely.
Fitoerana eo an-damosin'ny biby mba hahafahan'ny olona mitaingina izany
Ny miantso olona hoe ''tompoko'' dia fomba fanajana azy ireo.
''satria tsy afaka ny hitsangana eo amin'ny fanatrehanao aho''
Ilazana ny fotoana ao anatin'ny volana iray andehanan'ny rà maloto avy any anatin'ny kibonin'ny vehivavy.
''Niteny tamin'i Jakoba i Labana''
Ny andian-teny hoe: ''Inona no fandikan-dalàna nataoko'' sy ny ''Inona no fahotako'' dia toa manana hevitra mitovy ihany. Nanontany an'i Labana mba ilaza aminy izay ratsy nataony i Jakoba. DH: "Inona ny ratsy izay nataoko ka hanenjehanao ahy tahaka izao?"
Eto ny teny hoe ''kafana = mafana'' dia midika fa tena dodona i Labana hanenjika an'i Jakoba sy niezaka hanatratra azy.
''Inona ny zavatra itanao tao ka anao?"
Eto ny teny hoe'' ...ntsika'' dia ilazana an'ireo havan'i Jakoba sy an'ireo havan'i Labana. DH: "'Apetraho eo anoloan'ireo havantsika ny zavatra izay itanao''
Eto ny ''antsika roa tonta'' dia ilazana an'i Jakoba sy Labana. Ny andian-teny hoe: ''mitsara eo amin ...'' dia midika hoe hanapa-kevitra ny amin'izay marina ny amin'ny disadisa. DH: "hahafahan'izy ireo mitsara antsika roa tonta''
Nanohy niresaka tamin'i Labana i Jakoba.
"20 taona''
ondry vavy
Ny heviny dia hoe tsy mba teraka tsy tonga volana na tsy nampoizina ny zanak'ondry na maty teo amim-piterahana ireo zanany.
Afaka atao izany hoe: DH: "Raha lanin'ny bibidia ny iray amin'ireo biby fiompinao dia tsy mba nentiko teo aminao izany''
Ny amin'ireo biby fiompin'i Labana maty dia isaina ho faty antoka amin'ireo biby fiompin'i Jakoba ary resahina toy ny entana eo an-tsorony izay tsy maintsy zakainy. DH: "Raha tokony hisaina ho faty antoka amin'ireo biby fiompinao, dia nisaiko ho faty antoka amin'ireo biby fiompiko''
Ny mijaly nohon'ny hafanana sy hatsika dia resahina toy ny biby izay nihinana an'i Jakoba. DH: "Mijanona miandry ireo biby fiompinao aho na dia amin'ny andro midanika sy ny hirifirin'ny alina aza''
Nanohy niresaka tamin'i Labana i Jakoba.
''izay 20 taona farany izay''
"14 taona''
''Nanova im-polo izay nolazainy haloa amiko.'' Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:7.
Milaza ilay Andriamanitra iray ihany i Jakoba fa tsy andriamanitra telo samihafa. DH: "Raha tsy niaraka tamiko ilay Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka sy an'ny raiko''
Eto ny teny hoe ''rai(y)'' dia ilazana an'i Isaka, rainy.
Eto ny teny hoe ''taho(tra)'' dia ilazana ny ''fahatahorana an'i Yaveh,'' izay midika ho fanajana azy fatratra sy fanehoana fanajana amin'ny fankatoavana azy.
tana(na) - dia ilazana ny tsy fananana na inona na inona. DH: "tsy nisy na inona na inona''
Ny anarana hoe ''fahoriana'' dia afaka atao koa hoe ''mampahory.'' DH: "Hitan'Andriamanitra ny asa mafiko sy ny nampahorianao ahy''
Nampiasa izany fanontaniana izany Labana mba hanindrina fa tsy misy zavatra azony atao intsony. Afaka adika ho fanambarana izany fanontaniana fampisainana izany. DH: "Kanefa, fa tsy misy zavatra azoko atao intsony hitondrana ireo zanako vavy sy ireo zafiko hiverina hiaraka amiko.''
Eto ny teny hoe ''vavolombelona'' dia tsy ilazana olona, fa ampiasaina amin'ny hevitra ambadika sy ilazana ny fifanekena izay nataon'i Jakoba sy Labana. Ny fifanekena dia resahina toy ny olona izay eo raha nifanaiky ny hiaina amim-pilaminana izy roa tonta.
Izany dia vato lehibe na vatolampy (vato lahy) natsangana mba hanamarihana ny toerana izay nitrangan'ny zavatra manan-danja.
''nampifanongoa azy ireo''
Ny fiarahana misakafo dia tafiditra ao anatin'ny fanaovana fifanekena amin'ny hafa. Ny tena hevitr'izany dia azo atao mazava.
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :'' Ny anarana Jegara-sahadota dia midika hoe'antontam-panekena' amin'ny fitenin'i Labana.''
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana Galeda dia midika hoe'antontam-panekena' amin'ny fitenin'i Jakoba.''
Tsy tena mitazona fanekena tahaka ny olona ireo vato. DH: "Ho fampatsiahivana amiko sy aminao ity antontam-bato ity''
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana Galeda dia midika hoe'antontam-panekena' amin'ny fitenin'i Jakoba.'' Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:45.
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Mizpa dia midika 'tilikambom-pitazanana.'''
Eto ny ''tsy mifankahita'' dia ilazana ny tsy fifanatrehan'ny roa tonta. DH: "rehefa tsy miaraka intsony isika''
Eto ny ''..tsika'' dia ilazana an'i Labana sy Jakoba. DH: "Na dia tsy misy olon-kafa mahita antsika aza''
''tadidio.'' Izany dia manampy hanindrina izay holazaina manaraka.
Ireo antontam-bato ireo dia natao mba hahatsiarovana ny marikin'ny fefy eo amin'i Labana sy Jakoba manoloana ny fanekem-pihavanana. Resahina toy ireo olona vavolombelona izy ireo.
Abrahama no raiben'i Jakoba. Nahora no raiben'i Labana.Tera no rain'i Abrahama sy Nahora. Tsy nanompo an'i Yaveh avokoa izy rehetra ireo.
Eto ny teny ''..Taho(try)(tra)..'' dia ilazana an'i Yaveh, izay najain'i Isaka fatratra sy nanehoany fanajana amin'ny fankatoavany azy.
Ny fiarahana misakafo dia tafiditra ao anatin'ny fanaovana fifanekena amin'ny hafa. Ny tena hevitr'izany dia azo atao mazava.
Ny andininy 55 no andininy voalohany ao amin'ny toko faha 32 ao amin'ny lahatsoratra Hebreo niaingana, kanefa andininy farany ao amin'ny 31 ao amin'ireo Baiboly taty aoriana. Ny soso-kevitra avy aminay dia ny hanarahanao ny fanisana ao amin'ireo Baiboly amin'ny tenim-pirenenao.
Ny heviny dia milaza faniriana sy tombotsoa tsara hitranga amin'ny olona.
1 Nandeha tamin'ny lalany ihany koa Jakoba, ary nihaona taminy ny anjelin'Andriamanitra. 2 Rehefa nahita azy ireo Jakoba, dia hoy izy hoe: "Ity no tobin' Andriamanitra," ka Mahanaima no niantsoany izany toerana izany. 3 Nandefa mpitondra hafatra nialoha azy Jakoba mba ho any amin'i Esao rahalahiny any amin'ny tanin'ny Seira, any amin'ny faritr'i Edoma. 4 Nibaiko azy ireo izy, niteny hoe: "Izao no ho lazainareo amin'i Esao tompoko: Izao no vaolazan'i Jakoba mpanomponao hoe: 'Efa nonina niaraka tamin'i Labana aho, ary nanemotra ny fodiako hatramin'izao. 5 Manana omby, boriky, ondry aman'osy, ary mpanompo lahy sy mpanompo vavy aho. Nandefa ity hafatra ity tany amin'ny tompoko aho, mba hahazoako sitraka eo imasonao.'" 6 Niverina tany amin'i Jakoba ireo mpitondra hafatra ary niteny hoe: "Nandeha tany amin'i Esao rahalahinao izahay. Ho avy hihaona aminao izy, ary efajato lahy no hiaraka aminy." 7 Ary natahotra mafy sy nihorohoro Jakoba. Ka nozarainy ireo vahoaka niaraka taminy mba ho antoko anankiroa, ary koa ireo ondry aman'osy, omby, rameva. 8 Hoy izy hoe: "Raha tonga amin'ny antoko iray Esao ka manafika izany, dia ho afa-mandositra ny antoko iray ambiny." 9 Hoy Jakoba hoe: "Ry Andriamanitr'i Abrahama raiko, sy Andriamanitr'Isaka raiko, ry Yaveh, izay niteny tamiko hoe: 'Modia any amin'ny taninao sy ny havanao, ary Izaho hanambina anao,' 10 tsy mendrika ireo asan'ny fanekena mahatoky sy ny fahamendreham-pitokisana rehetra izay nataonao ho an'ny mpanomponao aho. Fa ny tehiko no hany nentiko nita ity Jordana ity, ary ankehitriny efa lasa antoko anankiroa aho. 11 Mba vonjeo amin'ny tanan'ny rahalahiko, ny tanan'i Esao aho, fa matahotra azy aho, ndrao ho avy izy hanafika ahy sy ny reny mbamin'ny zaza. 12 Kanefa Ianao niteny hoe: 'Ho ambiniko tokoa ianao. Hataoko ho toy ny fasi-dranomasina ny taranakao, izay tsy ho tambo isaina.'" 13 Nitoetra teo Jakoba tamin'iny alina iny. Naka ny sasany tamin'izay nananany niaraka taminy izy mba ho fanomezana ho an'i Esao rahalahiny: 14 osy vavy roanjato ary osy lahy roapolo, ondry vavy roanjato sy ondry lahy roapolo, 15 rameva be ronono telopolo ary ireo zana-borikin'izy ireo, omby vavy efapolo sy omby lahy folo, ampondra vavy roapolo ary ampondra lahy folo. 16 Natolony ireo mba ho eo an-tanan'ny mpanompony, ny andiany tsirairay avy. Niteny tamin'ny mpanompony izy hoe: "Mandehana eo alohako ary asio elanelana isaky ny andiam-biby." 17 Nanome toromarika ny mpanompo voalohany izy, niteny hoe: "Rehefa mifanena aminareo Esao rahalahiko ka manontany anareo, manaohoe: 'Olon'iza ianareo? Ho aiza ianareo? An'iza ireo biby izay eo anoloanareo?' 18 Dia hiteny ianareo hoe: 'An'i Jakoba mpanomponao ireo. Ireo dia fanomezana nalefa ho an'i Esao tompoko. Indro, tamy ao aorianay ihany koa izy.'" 19 Nanome toromarika ny vondrona faharoa, ny fahatelo, ary ny lehilahy rehetra izay nanaraka ireo andiam-biby ihany koa i Jakoba. Hoy izy hoe: "Hilaza zavatra mitovy amin'i Esao ianareo rehefa mifanena aminy. 20 Tsy maintsy miteny ihany koa ianareo hoe: 'Jakoba mpanomponao dia avy ao afaranay.'" Fa nihevitra izy hoe: "Hampitony azy amin'ny fanomezana izay alefako eo alohako aho. Ary avy eo, rehefa hitako izy, dia angamba mety handray ahy izy." 21 Koa nalefa nialoha azy ireo fanomezana. Izy tenany nijanona tao an-toby iny alina iny. 22 Nifoha Jakoba nandritry ny alina, ary naka ny vadiny anankiroa, ny ankizivaviny anankiroa, ary ny zanany lahy iraika ambin'ny folo. Nalefany tany ampitan'ny fitàn'i Jaboka izy ireo. 23 Tamin'io no nampitany azy ireo tany ampitan'ny rano mandeha niaraka tamin'ireo fananany rehetra. 24 Tavela irery Jakoba, ary nisy lehilahy iray nitolona taminy mandra-parain'ny andro. 25 Rehefa hitan'ilay lehilahy fa tsy haharesy azy izy, dia novelesiny ny foto-pen'i Jakoba. Nipitsoka ny fotopen'i Jakoba raha nitolona taminy izy. 26 Niteny ilay lehilahy hoe: "Aleo aho handeha, fa efa ho mangiran-dratsy." Ary Jakoba niteny hoe: "Tsy hamela anao handeha aho raha tsy mitso-drano ahy ianao." 27 Dia hoy ilay lehilahy taminy hoe: "Iza no anaranao? "Jakoba namaly hoe: "Jakoba." 28 Hoy ilay lehilahy hoe: "Ny anaranao dia tsy ho Jakoba intsony, fa Israely. Satria ianao nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny vahoaka ary efa nandresy." 29 Nanontany azy Jakoba hoe: "Mba lazao ahy tompoko ny anaranao." Hoy izy hoe: "Nahoana ianao no manontany ny anarako?" Avy eo nitso-drano azy teo izy. 30 Jakoba niantso ny anaran'ilay toerana hoe Peniela satria hoy izy hoe: "Efa nifanatri-tava tamin'Andriamanitra aho, ary avotra ny aiko." 31 Niposaka ny masoandro raha nandalo an'i Peniela i Jakoba. Nandringa izy nohon'ny foto-peny. 32 Izany no antony tsy nihinanan'ny vahoakan'i Israely ny hozatry ny foto-pe izay eo amin'ny fitohizan'ny fe mandrak'ankehitriny, satria nandratra ireo hozatra ireo ilay lehilahy raha nanapitsoka ny foto-pen'i Jakob.
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Mahanaima dia midika hoe 'toby anankiroa.'''
Faritra be tendrombohitra any amin'ny faritanin'i Edoma izany.
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "'Izao no tiako holazaina an'i Esao tompoko. Lazao azy fa efa tany ... eo imasonao.'''
Nampiasa fiteny mahalala fomba i Jakoba raha nanao ny rahalahiny hoe ''ny tompoko.''
Nampiasa fiteny mahalala fomba i Jakoba raha nanao ny tenany hoe ''ny mpanomponao.''
Eto ny teny ''maso'' dia ilazana ny eritreritra na ny fisainan'ny olona. DH: "mba hahafahanao manaiky ahy''
"lehilahy 400''
Ilazana ny fahatsapana ny tahotra ny ratra izay ataon'ny olona amin'ny olona amin'ny hafa.
''tsy nitombin-tsaina'' na ''nikorontan-tsaina''
Eto ny ''antoko'' dia ilazana ny olona. DH: "hanafika ny olona ao amin'ny antoko iray, dia hitsoaka ny olona ao amin'ny toby iray hafa''
Tsy ilazana andriamanitra samihafa izany, fa ho an'ilay Andriamanitra iray izay tompon'izy ireo. DH: "Yaveh, ilay Andriamanitr'i Abrahama raibeko sy Isaka raiko''
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Yaveh, Ianao izay nilaza fa tokony hiverina any amin'ny fireneko sy any amin'ireo havako, ary dia hanambina ahy ianao''
''ary any amin'ireo fianakavianao''
''hanao soa anao aho'' na ''hitondra tsara anao Aho''
Ny anarana ''fahatokiana'' sy ny ''fahamendreham-pitokisana'' dia afaka atao hoe: "mahatoky'' sy ''tsy mivadika.'' DH: "tsy mendrika ny hitoetra mahatoky amin'ny fanekenao na tsy hivadika aminao, ny mpanomponao"
Izany dia fiteny mahalala fomba ilazana ny ''izaho."
Eto ny "lasa" dia ilazana izay hananany ankehitriny. DH: "ary ankehitriny manana olona, ondry aman'osy ary fananana ampy miaraka amiko mba hanaovana antoko roa aho"
"avoty aho"
Eto ny teny "tanana" dia ilazana ny hery. Ireo andian-teny roa ireo dia manana dika mitovy ihany.Ilay faharoa dia manazava fa Esao ilay rahalahy izay nandrasan'i Jakoba. DH: "amin'ny herin'i Esao, rahalahiko" na "amin'i Esao rahalahiko"
"matahotra aho fa ho avy izy"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Kanefa Ianao niteny fa hanambina ahy tokoa, ary hataonao (...) ireo taranakao ... hisaina''
"hanao soa anao'' na ''hitondra tsara anao''
Izany dia miresaka ny amin'ny tsy maha tambo isaina tahaka ny voan'ny fasika eny an-dranomasina ireo taranak'i Jakoba.
Afaka atao izany hoe: DH: "izay tsy misy afaka manisa ny isan'izy ireo"
"200"
"20 ... 30 ... 40 ... 10"
"ireo zanany"
Eto ny "ho eo an-tanan'ny" dia midika hoe manome fahefana azy ireo. DH: "nizara izany ho andiany kely izy, ary nanomeny mpanompony tsirairay fahefana eo amin'ny andiany" (UDB)
"Avelao hisy elanelana eo amin'ny fandehanan'ny andiany"
"nanome baiko"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "manontany anareo hoe iza no tomponareo, ho aiza ianareo, ary an'iza ireo biby izay eo anoloanareo''
''iza no tomponareo?"
''iza no tompon'ireo biby izay eo anoloanareo?"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Dia tiako holazainao azy fa ireo zavatra ireo dia an'i Jakoba, mpanompony, ary homeny an'i Esao tompony izy ireo. Ary teneno azy fa an-dalana hihaona aminy i Jakoba"
Ny tenany ihany no lazain'i Jakoba amin'ny fomba mihaja hoe mpanompon'i Esao.
Manondro an'i Esao amin'ny fomba mihaja hoe tompony i Jakoba.
Eto ny "...anay" dia ilazana ny mpanompo izay miresaka sy ireo mpanompo izay mitondra ireo biby fiompy ho an'i Esao.
"nanome baiko ny vondrona faharoa"
Ireo mety ho heviny dia 1) "hilaza koa ianareo hoe: 'i Jakoba mpanomponao'" na 2) "hilaza ianareo,'i Jakoba mpanomponao ihany koa."'
"hanala ny hatezerany aho"
"handray ahy amin'ny fahatsaram-po izy" na "handray ahy tsara izy"
Eto ny "fanomezana" dia anondrona ireo mpanompo izay nitondra ireo fanomezana.
Eto ny "tenany" dia manindry fa Jakoba tsy niara-nandeha tamin'ireo mpanompony.
"ireo roa vady mpanompony." Milaza an'i Zilpa sy Bila izany.
Toerana marivo ao amin'ny renirano izay mora hiampitana
Anaran-drenirano izany.
"izay nananany rehetra"
"mandra-mangiran-dratsy" (UDB)
"fotope." Eo amin'ny toeran'ny taolam-pe izay mampitohy ny fotope izany.
Afaka atao izany hoe: DH: "Nahavoa (nandratra) ny foto-pen'i Jakoba ilay lehilahy raha nifampitolona taminy"
Eto ny "mitso-drano" dia manana hevitra hoe manonona faniriana sy tombotsoa tsara hitranga amin'izany olona izany.
Afaka atao izany hoe: DH: "Tsy tokoa! tsy maintsy mitso-drano ahy aloha ianao, dia izay vao hamela anao andeha aho"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Israely dia midika hoe 'nifampitolona tamin'Andriamanitra izy.'''
Eto ny "vahoaka" amin'ny ankapobeny dia midika hoe "olona".
"Hoy izy hoe: 'Nahoana ianao no manontany mahakasika ny anarako ?"' Izany fanontaniana fampisainana dia nanehoana fahatezerana, fibedesana ary mba hampisaina an'i Jakoba tamin'izay nitranga taminy sy ilay olona hafa izay vao avy nifampitolona taminy. DH: "Aza manontany ahy ny amin'izay anarako!"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Peniela dia midika hoe 'ilay endrik'Andriamanitra.'''
Ny hoe "nifanatri-tava" dia midika hoe olona roa izay mifankahita akaiky (mifanakaiky).
Afaka atao izany hoe: DH: "eny nitsitsy ny aiko izy"
Izany dia manamarika ny fiovana avy amin'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika ireo taranak'Israely.
Ny heviny dia hatramin'ny nanoratan'ny mpanoratra izany.
Ilazana ny hozatra izay mampitohy ny taolam-pe sy ny foto-pe.
"foto-pe"
"raha nanaitra azy"
1 Nitazana ambony Jakoba ary, indro Esao nanatona, ary nisy lehilahy efajato niaraka taminy. Notsinjarain'i Jakoba tamin'i Lea, Rahely, ary ireo mpanompo vavy ireo ankizy. 2 Avy eo dia napetrany teny aloha ireo mpanompo vavy sy ny zanak'izy ireo, narahin'i Lea sy ireo zanany, ary narahin'i Rahely sy Josefa ny farany indrindra. 3 Izy mihitsy no nandeha nialoha azy ireo. Niankohoka impito teo amin'ny tany izy, mandra-pahatongany teo akaikin'ny rahalahiny. 4 Nihazakazaka mba hitsena azy Esao, namihina azy, nisakambina ny tendany ary nanoroka azy. Avy eo dia nitomany izy ireo. 5 Rehefa nitazana ambony Esao, dia nahita ireo zaza amam-behivavy izy. Hoy izy hoe: "Iza ireo olona miaraka aminao ireo?" Hoy Jakoba hoe: "Ireo no ankizy izay nomen'Andriamanitra tamim-pahasoavana ho an'ny mpanomponao." 6 Avy eo nandroso teny aloha ilay mpanompo vavy niaraka tamin'ireo zanany, ary niankohoka izy ireo. 7 Avy eo dia nanatona teny aloha ihany koa Lea sy ireo zanany ary niankohoka. Ary farany Josefa sy Rahely nanatona teny aloha ary niankohoka. 8 Hoy Esao hoe: "Inona no dikan'ny nandefasanao ireny vondrona rehetra nifanena tamiko ireny?" Hoy Jakoba hoe: "Mba hahazoana sitraka eo imason'ny tompoko." 9 Hoy Esao hoe: "Efa manana ny ampy aho, ry rahalahiko. Hazony ho an'ny tenanao izay anananao." 10 Hoy Jakoba hoe: "Tsia, miangavy re, raha efa nahita fitia eo imasonao aho, dia ekeo ny fanomezana avy amiko, izay eo an-tanako, eny tokoa, efa nahita ny endrikao aho, ary toy ny mahita ny endrik'Andriamanitra izany, ary dia noraisinao aho. 11 Mba raiso re ny fanomezana izay nentina ho anao, satria efa nanome fahasoavana ahy Andriamanitra, ary satria efa manana ny ampy aho." Dia toy izany no nandrisihan'i Jakoba azy, ary dia neken'i Esao izany. 12 Ary hoy Esao hoe: "Andeha isika hanainga. Handeha eo alohanareo aho." 13 Hoy Jakoba taminy hoe: "Ny tompoko dia mahafantatra fa mbola kely ireto ankizy, ary mbola mitaiza ny zanany ireo ondry sy omby. Raha entina mafy na dia iray andro monja aza izy ireo, dia ho faty avokoa ireo biby rehetra. 14 Mba avelao re ny tompoko handeha hialoha ny mpanompony. Handeha moramora kokoa aho, araka ny famindran'ireo biby fiompy izay eo alohako, ary araka ny dian'ireto zaza, mandra-pahatongako any amin'ny tompoko any Seira." 15 Hoy Esao hoe: "Avelao hajanoko aminao ny sasany amin'ireo lehilahy miaraka amiko." Fa hoy Jakoba hoe: "Nahoana no manao izany? Efa ampy ny hatsaram-panahin'ny tompoko tamiko." 16 Koa dia nanomboka ny diany hiverina ho any Seira i Esao tamin'io andro io. 17 Nandeha tany Sokota i Jakoba, nanangana trano ho azy, ary nanao fialofana ho an'ireo biby fiompiny. Noho izany dia nantsoina hoe Sokota io toerana io. 18 Rehefa avy tany Padana-Arama i Jakoba, dia tonga soa aman-tsara tao amin'ny tanànan'i Sekema, izay tao amin'ny tany Kanana. Nitoby teo akaikin'ny tanàna izy. 19 Avy eo izy nividy ny ampahan-tany izay nanorenany ny lainy tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema, tamin'ny volafotsy madinika zato. 20 Teo no nanorenany alitara ary nantsoiny hoe El-Elohe Israely izany.
Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika hitandrina tsara ny amin'ny fizaran-tantara vaovao izay tsy ampoizina.
"lehilahy 400"
Tsy midika izany fa nitsinjara ireo ankizy nitovy isa ho amin'ireo vehivavy Jakoba. Nizara ireo ankizy i Jakoba mba hahafan'ny tsirairay miaraka amin'ny reniny avy.
"ireo vady mpanompo." Ilazana an'i Bila sy Zilpa izany.
Eto ny "tenany" dia manindry fa nandeha irery teo anoloan'ireo hafa i Jakoba.
Eto ny teny hoe "niankohoka" dia midika mamoritra ny lohalika amim-panetretena mba haneho fanajana sy voninahitra manoloana ny olona.
"hihaona amin'i Jakoba"
Afaka atao fehezanteny vaovao izany. DH: " Namihana an'i Jakoba tamin'ny sandriny Esao, nisankambina azy, ary nanoroka azy"
Afaka atao mazava kokoa izany. DH: "Avy eo dia nitomany i Jakoba sy Esao satria faly izy ireo fa nifankahita indray"
"nahita ireo zaza amam-behivavy izay niaraka tamin'i Jakoba"
Ny andian-teny "ny mpanomponao" dia fomba mihaja ilazan'i Jakoba ny tenany. DH: " ireo no zaza izay nomen'Andriamanitra tamin-katsaram-panahy ahy, mpanomponao"
"ireo vady mpanompo." Ilazana an'i Bila sy Zilpa izany.
Famantaram-panetretena sy fanajana manoloana ny olona hafa izany.
Ny andian-teny "ireny vondrona rehetra" dia ilazana ireo vondron'ireo mpanompo izay nalefan'i Jakoba hanome ireo fanomezana an'i Esao. DH: "Nahoana ianao no nandefa ireny vondrona samihafa ireny hihaona amiko?"
Eto ny " ..maso.." dia ilazana ny fisainana sy ny hevitrin'ny olona. DH: "mba hahafaly anao, tompoko, amiko"
Ny andian-teny "ny tompoko" dia fomba mihaja ilazana an'i Esao.
Ny teny hoe "biby" na "fananana" dia takatra avy amin'izany. DH: "manana biby ampy aho" (UDB) na "manana harena ampy aho"
Eto ny " ..maso.." dia ilazana ny fisainana sy ny hevitrin'ny olona. DH: "raha faly amiko ianao"
Eto ny "..tanana.." dia ilazana an'i Jakoba. DH: "izany dia fanomezana avy amiko izay omeko anao"
Azo adika ho andian-teny vaovao izany: "ny tanako. Satria tokoa"
Ny hevitr'izany fanoharana izany dia tsy mazava loatra. Ireo mety ho heviny dia 1) Faly i Jakoba satria namela azy tahaka ny namelan'Andriamanitra azy i Esao na 2) talanjona i Jakoba raha nahita indray ny rahalahany tahaka ny fitalanjonany raha nahita an'Andriamanitra 3) nanetry tena teo amin'ny fanatrehan'i Esao tahaka ny fanetreny tena teo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra i Jakoba.
Eto ny "endrika = tava." dia ilazana an'i Esao. Ny tena tsara dia ny mandika izany hoe "tava" satria manan-danja ny teny hoe "tava" eto amin'ilay hoe "tavan'Andriamanitra" na "nifanatri-tava" ao amin'ny 32:29.
Afaka atao izany hoe: DH: "izay nentin'ireo mpanompoko ho eo aminao"
"nanao soa tamiko Andriamanitra" na "nitahy ahy fatratra Andriamanitra"
Efa fomba ny mandà ny fanomezana amin'ny voalohany, kanefa raisina ihany izany avy eo mba tsy hanafitohina ny mpanome.
Fomba mihaja ilazana an'i Esao izany. DH: "Ianao, tompoko, mahalala"
Afaka atao mazava kokoa ny hevitr'izany. DH: "tsy afaka ny handeha haingana ireto ankizy nohon'ny hakelin'izy ireo"
Afaka atao izany hoe: DH: "raha terentsika handeha mafy na dia iray andro monja aza" na "Raha ho koropahina handeha na dia iray andro monja aza"
Izany dia fomba mihaja ilazan'i Jakoba ny tenany. DH: "Ry tompoko, izaho mpanomponao. Mba mandehana mialoha ahy"
"mifanaraka amin'ny hafainganam-pandehan'ireo biby izay andrasako"
Faritra be tendrombohitra any amin'ny faritanin'i Edoma izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny32:3.
Mampiasa izany fanontaniana izany i Jakoba mba hanindrina fa tsy ilaina akory ny hanajanonany ireo lehilahy eo aminy. DH: "Aza manao izany!" na "tsy mila manao izany akory ianao!"
Izany dia fomba mihaja ilazana an'i Esao. DH: "Ianao, ry tompoko, efa"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Sokota dia midika hoe 'fialofana.'''
Azo tsoahina avy amin'izany fa ilay trano dia ho an'ireo fianakaviany ihany koa"
"ho an'ireo biby izay andrasany"
Manomboka fizaran-tantara vaovao izany. Nanoritsoritra izay nataon'i Jakoba tao aorian'ny nijanonany naka aina tao Sokota izany.
"Rehefa niala tao Padana-Arama i Jakoba"
I Jakoba ihany no voatonona amin'izany satria izy no mpitarika ny ankohonany. Azo tsoahina amin'izany fa ireo fianakaviany dia niaraka taminy.
"Nanorina ny tobiny teo akaikin'ny"
"tsinjara tany"
Anaran-dehilahy izany.
Anaran-tanàna sy anaran-dehilahy izany.
"100"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe El-Elohe Israely dia midika hoe 'Andriamanitra, Ilay Andriamanitr'Israely.'''
1 Ary Dina, zanaka vavin'i Lea tamin'i Jakoba, nandeha mba hihaona amin'ireo zazavavin'ilay faritra. 2 Sekema zanaka lahin'i Hamora Hivita, ilay andriandahin'ny tany, nahita azy dia naka an-keriny azy, sy nanery azy ary niara-nandry taminy. 3 Nahasarika azy tokoa i Dina, ilay zanaka vavin'i Jakoba. Tia an'ilay zazavavy izy ary niresaka tam-pitiavana taminy. 4 Niresaka tamin'i Hamora rainy i Sekema, nanao hoe: "Alaivo mba ho vadiko io tovovavy io." 5 Ary Jakoba nandre fa efa nandoto an'i Dina ilay zanany vavy izy. Tany an-tsaha niaraka tamin'ireo biby fiompy ireo zanany lahy, noho izany dia nitazona ny fahanginany mandra-pahatongan'izy ireo i Jakoba. 6 Nankany amin'i Jakoba mba hiresaka aminy i Hamora rain'i Sekema. 7 Tonga avy any an-tsaha ireo zanaka lahin'i Jakoba raha nandre ny olana. Tohina tokoa ireo lehilahy ireo. Tezitra mafy izy ireo satria nanala baraka an'Israely izy tamin'ny fanaovany an-keriny ny zanaka vavin'i Jakoba, fa izany karazan-javatra izany dia tsy tokony natao. 8 Niresaka tamin'izy ireo i Hamora, nanao hoe: "Sekema zanako lahy dia tia ny zanakao vavy. Ka mba omeo ho vadiny re izy. 9 Mifanambadia aminay, omeo anay ny zanakao vavy, ary alaivo ho anareo ny zanakay vavy. 10 Hiara-honina aminay ianareo, ary ny tany hisokatra ho anareo mba hitoerana sy hanaovana varotra, ary ho lasa fananana." 11 Hoy Sekema tamin'ny rainy sy ireo rahalahiny hoe: "Aoka hahita sitraka eo imasonareo aho, ary na inona na inona lazainareo ahy dia homeko. 12 Angataho amiko na dia lafo aza ny sandan'ny vady sy ny fanomezana araka izay sitrakareo, ary homeko anareo na inona na inona teneninareo amiko, fa omeo ho vadiko ilay tovovavy. 13 Namaly am-pitaka an'i Sekema sy Hamora rainy ireo zanaka lahin'i Jakoba, satria nandoto an'i Dina anabavin'izy ireo i Sekema. 14 Hoy ireo tamin'izy ireo hoe: "Tsy afaka manao izany zavatra izany izahay, hanome ny anabavinay ho an'ny olona izay tsy voafora; fa ho fahafaham-baraka ho anay izany. 15 Amin'izao fepetra izao ihany no hanekenay anareo: raha mifora toa anay ianao, ary raha mifora avokoa ny lehilahy rehetra eo aminao. 16 Dia homenay anareo ireo zanakay vavy, ary ho alainay ho anay ireo zanakareo vavy, dia hiara-honina isika ka ho tonga vahoaka iray. 17 Fa raha tsy mihaino anay ianareo ka tsy mifora, dia ho entinay ny anabavinay ary handeha izahay." 18 Nahafaly an'i Hamora sy i Sekema zanany ny tenin'izy ireo. 19 Fa ilay tovolahy dia tsy nitaredretra nanao izay nolazain'izy ireo, satria finaritra tamin'ny zanaka vavin'i Jakoba izy, ary satria izy no olona homem-boninahitra indrindra ao amin'ny ankohonan'ny rainy rehetra. 20 Nankany amin'ny vavahadin'ny tanànan'izy ireo i Hamora sy Sekema ary niresaka tamin'ireo olon'ny tanàna, nanao hoe: 21 "Mihavana amintsika ireo olona ireo, koa avelao izy ireo honina amin'ny tany sy hanao varotra eo amin'izany, satria tokoa, tena, midadasika ampy ho azy ireo ny tany. Haka ny zanaka vavin'izy ireo ho vady isika, ary hanome azy ireo ny zanantsika vavy. 22 Amin'ity fepetra tokana ity ihany no haneken'ireo olona hiara-honina amintsika sy ho tonga vahoaka iray: raha mifora avokoa ny lehilahy rehetra eo amintsika, toy ny maha-voafora azy ireo. 23 Tsy ho lasantsika avokoa ve ny biby fiompy sy ny fananan'izy ireo—ary ny biby rehetra? Koa aoka hanaiky azy ireo isika, dia honina eo amintsika izy ireo." 24 Nihaino an'i Hamora sy Sekema, ilay zanany lahy avokoa ny olona rehetra tao an-tanàna. Noforaina avokoa ny lehilahy rehetra. 25 Tamin'ny andro fahatelo, raha mbola tao anatin'ny fanaitainana izy ireo, ny roa tamin'ny zanaka lahin'i Jakoba (Simeona sy Levy, anadahin'i Dina), dia samy nandray ny sabatrany ary nanafika ny tanàna izay azo antoka ny fiarovana azy, izy ireo, ka namono ny lehilahy rehetra. 26 Novonoin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatr'izy ireo i Hamora sy Sekema zanany. Nalain'izy ireo tao an-tranon'i Sekema i Dina ary lasa izy ireo. 27 Nankeo amin'ireo faty ireo zanaka lahy hafan'i Jakoba ary nandroba ny tanàna, satria efa nandoto ny anabavin'izy ireo ny olona. 28 Nalain'izy ireo ny ondry aman'osin'izy ireo, ny ombin'izy ireo, ny borikin'izy ireo, ary ny zavatra rehetra tao amin'ny tanàna sy izay nanodidina ny saha 29 niaraka tamin'ny haren'izy ireo rehetra. Ny zanaka sy ny vadin'izy ireo rehetra, dia nosamborin'izy ireo. Nalain'izy ireo hatramin'ny zavatra rehetra izay tao an-trano. 30 Hoy Jakoba tamin'i Simeona sy Levy hoe: "Nitondra olana ho ahy ianareo, nahamaimbo ahy teo amin'ireo mponin'ny tany, ireo Kananita sy ireo Perizita. Vitsy an'isa aho. Raha miara-mihoko hanohitra ahy sy hamely ahy izy ireo, dia ho resy aho, izaho sy ny ankohonako." 31 Fa Simeona sy Levy nanao hoe: "Tokony hitondra ny anabavinay tahaka ny vehivavy janga ve i sekema?"
Eto izany teny izany dia nampiasaina hanamarihana fizaran-tantara vaovao.
Anaran'ilay zanaka vavin'i Lea izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny30:19.
Anaram-bondron'olona izany. Jereo ny nandikanao ny teny mitovy hoe: "Hivita" ao amin'ny 10:15.
Ilazana an'i Hamora izany fa tsy Sekema. Ny "andriandahi(y)" eto dia tsy midika hoe zanaka lahin'i mpanjaka. Ny dikany dia i Hamora no mpitarika ny olona tao amin'izany faritra izany.
Nanery an'i Dina hiara-mandry aminy i Sekema. na "nanolana an'i Dina i Sekema."
"Tena babony tanteraka izy" na "voasinton'ny hatsarany izy" (UDB). Miresaka mahakasika ny fitiavan'i Sekema an'i Dina sy ny fitiavany hiaraka aminy toy ny hoe misy zavatra manery azy hanatona an'i Dina. DH: "Tena maniry fatratra ny hiaraka amin'i Dina izy"
Ny heviny dia miresaka am-pitiavana mba handresena lahatra azy ho tia azy sy maniry ny mba hitiavany azy ihany koa.
Ny "Ary" eto dia nampiasaina hanamarika ny fiovana avy amin'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana mahakasika an'i Jakoba.
Ny teny hoe "izy" dia ilazana an'i Sekema.
Ny heviny dia nanala baraka tanteraka sy nanao tsinontsinona an'i Dina tamin'ny fanerena azy hiara mandry aminy.
Fomba entina milaza ny tsy firesahan'i Jakoba mahakasika ilay raharaha izany.
"Nankany amin'i Jakoba mba hihaona ... i Hamora "
"Tezitra mafy ireo lehilahy ireo"
Afaka atao hoe ireo zanaka lahin'i Jakoba no niteny izany mivantana toy ny ao amin'ny UDB.
Ny teny hoe "Israely" eto dia ilazana ny ankohonan'i Jakoba rehetra. Ny maha vondron'olona an'i Israely mihintsy no voaloto. DH: "nanala baraka ny ankohonan'Israely izy" na "nitondra henatra teo amin'ny vahoakan'ny Israely izy"
"Nanery ny zanaka vavin'i Jakoba"
Afaka atao izany hoe: DH: "satria tsy tokony nanao izany zavatra maharikoriko izany izy"
"Niresaka tamin'i Jakoba sy ireo zanany lahy i Hamora"
Eto ny teny hoe "tia" ilazana ny fitiavan'olon-droa izany hoe fitiavana eo amin'ny lehilahy iray sy vehivavy iray. DH: "tia azy ary maniry hanambady azy"
Amin'ny ireo kolon-tsaina sasany, dia ny ray aman-dreny no manapa-kevitra ny amin'izay ho vadin-janany.
Ny mifanambady dia maka vady amin'ny antoko tsy mitovy firazanana, fiarahamonina na finoana na foko. DH: "Avelao hifanambady ny olonareo sy ny anay"
"ho afaka mampiasa ny tany ianareo"
"Hoy Sekema tamin'ny rain'i Dina"
Eto ny " ..maso.." dia ilazana ny fisainana sy ny hevitrin'ny olona. DH: "raha manaiky ahy ianareo, dia homeko izay rehetra angatahinareo"
Amin'ny ireo kolon-tsaina sasany, dia fomba ho an'ny lehilahy ny manome vola, na fananana, na omby, na fanomezana hafa ho an'ny havan-dravehivavy amin'ny fotoanan'ny fampiakarana.
Ny anarana hoe "fitaka" = " am-pitaka" dia azo atao hoe "mamitaka". DH: "kanefa ireo zanaka lahin'i Jakoba nandainga tamin'i Sekema sy Hamora raha namaly ny resak'izy ireo"
Ny heviny dia nanala baraka tanteraka sy nanao tsinontsinona an'i Dina tamin'ny fanerena azy hiara mandry aminy. Jereo ny nandikanao ny "nandoto" ao amin'ny 34:4.
"Hoy ireo zanaka lahin'i Jakoba tamin'i Sekema sy Hamora hoe"
"Tsy afaka ny hanaiky ny hanome an'i Dina ho amin'ny fanambadiana izahay"
"fa hahatonga henatra ho anay izany." Eto ny "anay" dia ilazana an'ireo zanaka lahin'i Jakoba sy ireo olona Israely rehetra.
Ny heviny dia hoe hamela ny olona avy ao amin'ny fianakavian'i Jakoba hanambady olona izay mipetraka ao amin'ny tanin'i Hamora.
Eto ny "teny" dia ilazana izay nolazaina. DH: "Niombon-kevitra tamin'izay nolazain'ireo zanaka lahin'i Jakoba i Hamora sy i Sekema zanany"
"ny ho tonga voafora"
"Dina zanaka vavin'i Jakoba"
Afaka adika ho fehezanteny vaovao izany. Afaka azavaina fa i Sekema dia nahafantatra fa ireo lehilahy hafa dia hiombon-kevitra ny ho foraina satria izy ireo dia nanaja azy. DH: "Fantatr'i Sekema fa ireo lehilahy hafa rehetra ao amin'ny ankohonan-drainy dia hiombon-kevitra aminy satria izy no nomem-boninahitra indrindra teo amin'izy ireo"
Mahazatra ireo mpitarika ny mivory eo amin'ny vavahadin'ny tanàna mba hanapaka fanapahan-kevitra eken'ny rehetra.
"Jakoba, ireo zanany lahy, sy ireo vahoakan'Israely"
Eto ny "...tsika" dia ilazana an'i Hamora, ny zanany lahy ary ireo olona rehetra izay niresaka tamin'izy ireo teo am-bavahadin'ny tanàna.
"Avelao izy ireo honina sy hivarotra eo amin'ny tany"
Nampiasa ny teny hoe "tena" i Sekema mba hanindriny ny fanambarany. "satria, tokoa, midadasika ampy ho azy ireo ny tany" na "satria, tokoa mantsy, maro ireo tany mety ho azy ireo"
Ilazana ny fanambadiana eo amin'ireo vehivavin'ny vondrona iray sy ireo lehilahin'ny vondrona iray hafa. Jereo ny nandikanao izany andian-teny mitovy izany ao amin'ny 34:8.
Nanohy niresaka tamin'ireo loholon'ny tanàna i Hamora sy Sekema zanany.
"Raha voafora ny lehilahy rehetra eto amintsika, toy ny maha-voafora ny lehilahin'Israely, dia izay vao hanaiky ny hiara-honina amintsika sy hikambana ho vahoaka iray amintsika izy ireo"
Nampiasa izany fanontaniana izany i Sekema mba hanasongadinana fa ireo biby fiompy sy ny fananan'i Jakoba dia ho lasan'i olon'i Sekema avokoa. Afaka adika ho fanambarana izany. DH: "Ireo biby fiompy sy ny fananan'izy ireo rehetra dia ho lasantsika."
Afaka atao izany hoe: DH: "Koa dia naka olona hamora ny lehilahy rehetra i Hamora sy Sekema"
"fahatelo" dia telo amin'ny filaharan'isa. Afaka atao izany hoe: DH: "tao aorian'ny roa andro"
"raha mbola tao anatin'ny fanaitainana ireo lehilahin'ny tanàna" na "raha mbola tao anatin'ny fanaitainana ireo lehilahy tao an-tanàna"
"naka ny sabatr'izy ireo avy"
Eto ny "tanàna" dia ilazana ny olona. DH: "nanafika ny olona tao an-tanàna izy ireo"
Afaka adika ho fehezanteny vaovao izany. "fiarovana. Namono ireo lehilahy rehetra tao an-tanàna i Simeona sy Levy"
Eto ny "lela" dia ilazana ilay zorony maranitra amin'ny sabatra. DH: "tamin'ilay zorony maranitra amin'ny sabatra" na "tamin'ny sabatr'izy ireo"
"ireo fatin'i Hamora, Sekema, ary ireo olon'izy ireo"
"nangalatra ny zava-tsarobidy rehetra tao amin'ilay tanàna"
I Sekema irery no nandoto an'i Dina, kanefa ireo zanaka lahin'i Jakoba dia nisokajy ireo fianakavian'i Sekema manontolo sy ny olona rehetra tao an-tanàna ho tompon'andraikitra tamin'izany tranga izany.
Ny heviny dia nanala baraka tanteraka sy nanao tsinontsinona an'i Dina tamin'ny fanerena azy hiara mandry aminy i Sekema. Jereo ny nandikanao ny "nandoto" ao amin'ny 34:4.
"Nalain'ireo zanaka lahin'i Jakoba ireo ondry aman'osin'ny olona"
"ny fananan'izy ireo rehetra sy ny volany"
"nosamborin'izy ireo avokoa ny zanaka sy ny vadin'izy ireo"
Ny nanao izay hahatonga olana amin'ny olona dia resahina toy ny zavatra izay azo entina ary apetraka eo amin'ny olona ny "olana". DH: "nitondra olana lehibe ho ahy"
Nanao izay hankahalan'ny olona manodidina an'i Jakoba dia resahina toy ny hoe nanao izay nahamaimbo an'i Jakoba ireo zanany. Afaka adika ho fehezanteny vaovao izany DH: "Nanao izay hankahalan'ny olon'ny tany ahy ianareo"
Eto ny teny hoe: "aho" sy ny "ahy" dia ilazana ny ankohonan'i Jakoba rehetra. Ny "aho" sy ny "ahy" ihany no nampiasain'i Jakoba satria izy no mpitarika. DH: "vitsy ny ankohonako ... hanohitra sy hamely antsika, dia handringana antsika rehetra izy ireo"
"hanangana tafika sy hanohitra ahy" na "hanangana tafika sy hanohitra antsika"
Afaka atao izany hoe: DH: "handringana ahy izy ireo" na "handringana antsika izy ireo"
Nampiasa izany fanontaniana izany i Simeona sy Levy mba hanindrina fa nanao izay ratsy ary mendrika ny ho faty i Sekema. DH: "Tsy tokony nitondra ny anabavinay tahaka ny vehivavy janga i sekema!"
1 Hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba hoe: "Mitsangàna, mandehana miakatra any Betela ary mipetraha any. Manamboara alitara any ho an' Andriamanitra, izay niseho taminao fony ianao nandositra an'i Esao rahalahinao." 2 Ary Jakoba niteny tamin'ny ankohonany sy ireo rehetra niaraka taminy hoe: "Avelao ireo andriamanitra hafa izay eo aminareo, diovy ny tenanareo, ary soloy ny fitafianareo. 3 Andao isika hanainga ho any Betela. Hanamboatra alitara any aho ho an'Andriamanitra, izay namonjy ahy tamin'ny andro fahoriko, sy niaraka tamiko foana na taiza na taiza nalehako." 4 Dia nomen'izy ireo an'i Jakoba ireo andriamanitra hafa rehetra izay teny an-tanany, sy ireo kavina teny an-tsofin'izy ireo. Nalevin'i Jakoba tao ambanin'ny hazo teribina izay akaikin'i Sikema ireo. 5 Raha nandeha izy ireo, dia nandatsahan'Andriamanitra horohoro teo amin'ireo tanàna manodidina azy ireo, koa dia tsy nanenjika ireo zanaka lahin'i Jakoba ireo olona ireo. 6 Tonga tao Lozy i Jakoba (izay ao Betela ihany), izay ao amin'ny tany Kanana, izy sy ireo olona rehetra izay niaraka taminy. 7 Nanangana alitara tao izy ary nantsoiny hoe El-betela izany toerana izany, satria tao Andriamanitra no nanambara ny Tenany taminy, raha nandositra ny rahalahiny izy. 8 Ary maty i Debora, mpitaiza an'i Rebeka. Nalevina tao ambanimbanin'ny Betela tao amban'ilay hazo terebinta izy, koa dia nantsoina izany hoe Alona-bakota. 9 Rehefa niverina avy any Padan-Arama i Jakoba, dia niseho taminy indray Andriamanitra ary nitso-drano azy. 10 Hoy Andriamanitra taminy hoe: "Jakoba no anaranao, kanefa tsy antsoina hoe Jakoba intsony ianao. Fa atao hoe Israely." Dia natsoin'Andriamanitra hoe Israely ny anarany. 11 Hoy Andriamanitra taminy hoe: "Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Miteraha maro ary mihamaroa. Hisy firenena sy ny fikambanam-pirenena hipoitra avy aminao, ary mpanjaka no ho eo amin'ireo taranakao. 12 Ilay tany izay nomeko an'i Abrahama sy Isaka, dia homeko anao. Ho an'ireo taranakao izay mandimby anao dia homeko an'ilay tany ihany koa. 13 Dia niakatra ka niala teo aminy, teo amin'ilay toerana izay niresahany taminy Andriamanitra. 14 Nanorina tsangam-bato teo amin'ilay toerana niresahan'Andriamanitra taminy i Jakoba, tsangam-bato vita tamin'ny vato. Nandraraka fanatitra sotroina sy nandraraka diloilo teo amin'izany izy. 15 Nantsoin'i Jakoba hoe Betela ilay toerana izay niresahan'Andriananitra taminy. 16 Niala tao Betela izy ireo. Raha mbola lavidavitra an'i Efratà izy ireo, dia nihetsi-jaza Rahely. Saro-piterahana izy. 17 Raha tao anatin'ny fangirifirian'ny fahasarotam-piterahana izy, dia nilaza taminy ilay mpampivelona hoe: "Aza matahotra, fa izao dia hahazo zazalahy iray hafa ianao." 18 Ary raha teo am-pialany aina, tamin'ny fara-fofonainy no niantsoiny azy hoe Benony izy, kanefa ny rainy niantso azy hoe Benjamina. 19 Maty Rahely ary nalevina teny amin'ny lalana mankany Efratà (izay atao hoe Betlehema). 20 Nanangana tsangam-bato teo ambonin'ny fasany i Jakoba. Izany no famantarana ny fasan'i Rahely hatramin'izao. 21 Nanohy ny diany Israely ary nanangana ny lainy tao ambadiky ny tilikambo fiambenana ireo ondry aman'osy. 22 Raha nipetraka tao amin'izany tany izany Israely, dia niara-nandry tamin'i Bila izay vaditsindranon-drainy i Robena, ka ren'i Israely izany. Ary nanan-janaka lahy roa ambin'ny folo i Jakoba. 23 Ireo zanany lahy avy tamin'i Lea dia Robena, ilay lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona, Levi, Joda, Isakara, ary Zebolona. 24 Ireo zanany lahy avy amin'i Rahely dia Josefa sy Bejamina. 25 Ireo zanany lahy avy amin'i Bila, izay mpanompovavin'i Rahely, dia Dana sy Naftaly. 26 Ireo zanaka lahy avy amin'i Zilpa, mpanompovavin'i Lea, dia Gada sy Asera. Ireo rehetra ireo no zanaka lahin'i Jakoba izay naterany tany Padana-Arama. 27 Jakoba tonga tany amin'i Isaka, rainy, tany Mamre any Kiriat-Arba (na Hebròna ihany koa), toerana izay nipetrahan'i Abrahama sy Isaka. 28 Niaina valopolo amby zato taona Isaka. Niala aina i Isaka ka maty ary nangonina ho any amin'ireo razambeny, zokiolona voky andro izy. 29 Esao sy Jakoba, ary ireo zanany lahy, no nandevina azy.
Ny andian-teny "mandehana miakatra" dia nampiasaina satria Betela dia amin'ny fiakarana avo kokoa noho i Sekema.
DH: "Manamboara alitara any ho Ahy, Andriamanitrao"
"niteny tamin'ny fianakaviany"
"Ario ireo sampinareo" na "Esory hiala ireo andriamanitrareo tsy izy"
Fomba fanadiovana ny fanahy sy ny vatana mialohan'ny handehanana hanompoana an'Andriamanitra izany.
Ny manao akanjo vaovao dia mari-pamantarana fa efa nanadio ny tenany izy ireo mialohan'ny hanantonana an'Andriamanitra.
Ireo mety ho hevitry ny "andro" dia 1) ilay andro izay nandosiran'i Jakoba an'i Esao na 2) ny "andro" dia ilazana ny fotoana izay naha ory an'i Jakoba. DH: "raha tao anatin'ny fotoan-tsarotra aho" na "raha tojo olana aho"
"koa ny olona rehetra tao amin'ny ankohonan'i Jakoba dia nanome" na "Koa ny fianakaviana rehetra sy ireo mpanompony dia nanome"
Eto ny "teny an-tanan'izy ireo" dia ilazana izay hananan'izy ireo. DH: "izay fananan'izy ireo" na "izay azy ireo"
"ireo kavin'izy ireo" (UDB). Ireo mety ho heviny dia 1) ny volamena tamin'ireo kavina dia mety afaka ampiasaina hanamboarana sampy betsaka kokoa na 2) naka ireo kavina tao an-tanànan'i Sekema izy ireo tao aorian'ny nanafiany sy namonoan'izy ireo ny olona rehetra tao. Ireo kavina dia mety hampatsiahy azy ireo ny fahotany.
Nataon'Andriamanitra natahotra an'i Jakoba sy ireo fianakaviany ireo olona eo an- tanàna dia resahina toy ny zavatra izay nilatsaka tamin'ny tanàna ny "horohoro". Ny anarana hoe " horohoro" dia azo atao koa hoe "natahotra." DH: " Nataon'Andriamanitra natahotra an'i Jakoba sy ireo izay niaraka taminy ireo olona eo amin'ireo tanàna manodidina"
Eto ny "tanàna" dia ilazana ny olona izay mipetraka eo amin'ireo tanàna.
Azo tsoahina avy amin'izany fa tsy nisy olona nahasahy nanafika ny fianakavian'i Jakoba. Fa ny roa tamin'ireo zanany lahy, dia i Simeona sy Levy no nanafika ireo Kananita havan'i Sekema tao aorian'ny nisamborany sy niarahany nandry tamin'ny zanaka vavin'i Jakoba. Natahotra i Jakoba ndrao mitady hamaly faty izy ireo ao amin'ny 34:30. DH: "ny fianakavian'i Jakoba" na "ny ankohonan'i Jakoba"
Anaran-tanàna izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:18.
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe El-betela dia midika hoe 'Andriamanitry Betela.'''
"tao Andriamanitra no nampahafantatra ny tenany an'i Jakoba"
Anaram-behivavy izany.
Ny mpitaiza dia vehivavy izay mikarakara ny zanaky ny vehivavy hafa. Ny mpitaiza dia mana-kaja ambony tokoa ary tena manana ny lanjany tokoa eo amin'ny fianakaviana.
Afaka atao izany hoe: DH: "Nalevin'izy ireo tany ambanimbanin'ny Betela (...) izy"
Ny andian-teny "ambanimbanin'ny" dia nampiasaina satria nandevina azy tao amin'ny toerana izay midim-pidinanana noho Betela izy ireo.
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Alona-bakota dia midika hoe 'hazo terebinta izay misy fitomaniana.'''
Afaka atao mazava izany fa tany Betela izy ireo. DH: "Rehefa nandao an'i Padan-Arama i Jakoba, ary tamin'ny naha tao Betela azy"
Eto ny "...tso-drano" dia midika hoe manonona fomba fitsofan-drano amin'ny olona mba hitrangan'ny zavatra tsara amin'izany olona izany.
Afaka atao izany hoe: DH: "kanefa ny anaranao dia tsy atao intsony hoe Jakoba"
"Hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba hoe"
Niteny tamin'i Jakoba mba hamokatra zazaka Andriamanitra mba ho maro izy ireo. Ny teny hoe "mihamaroa" dia manazava izay hahatonga azy "hiteraka maro." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:22.
Eto ny "firenena" na "ireo firenena" dia ilazana an'ireo taranak'i Jakoba izay hanorina ireo firenena ireo.
Eto ny "niakatra" dia nampiasaina satria ny toerana izay honenan'Andriamanitra dia noheverina fa avo na any ambonin'izao tontolo izao. DH: "Nandao azy Andriamanitra"
vato fahatsiarovana izany, vato lehibe na vatolampy (vato lahy) natsangana mba hanamarihana izany(fahatsiarovana izany).
Izany dia famantarana fa natokana ho an'Andriamanitra ilay tsangam-bato.
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Betela dia midika hoe 'tranon'Andriamanitra.'''
Anarana hafa iantsoana ny tanànan'i Betlehema izany.
"Tena nandalo fotoan-tsarotra sy mafy tokoa izy raha niteraka ilay zaza"
"raha tamin'ny fara-tapon'ny fangirifiriana ny fiterahana izy"
olona izay manampy ny vehivavy mandritra ny fiterahany na famoahany zaza
Ny "fara-fofonaina" dia fofonaina farany mialohan'ny hahafaty ny olona iray. DH: "Mialoha kelin'ny nahafatesany, raha nitroka ny fara-fofonainy izy"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Benony dia midika hoe 'zanaky ny alaheloko.'''
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe : ''Ny anarana hoe Benjamina dia midika hoe 'zanaky ny tanako ankavanana.''' Ny andian-teny hoe "tanana an-kavanana" dia manondro ny toerana famindrampo miavaka.
Afaka atao izany hoe: DH: "ary dia nandevina azy izy ireo"
"mankany amin'ny lalana" (UDB)
"Izany no manamarika ny fasan'i Rahely hatramin'izao"
"hatramin'izao fotoana izao." Ny heviny dia hatramin'ny fotoana nanoratan'ny mpanoratra izany.
Azo tsoahina avy amin'izany fa ny ankohonan'Israely sy ireo mpanompony dia niaraka taminy. Ny tena hevitr'izany dia azo atao mazava.
Anaran'ny mpanompo vavin'i Rahely izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:28.
Izany fehezanteny izany dia manomboka andalana vaovao, izay mitohy ao amin'ireo andininy manaraka.
"zanaka lahy 12"
Anaran'ny mpanompo vavin'i Rahely izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:28.
Anaran'ny mpanompo vavin'i Lea izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:23.
Azo ambara avy amin'izany fa i Benjamina izay teraka tany amin'ny tany Kanana akaikin'i Betlehema, dia tsy tafiditra ao anatin'izany. Padana-Arama ihany no voatonona satria tany no nahaterahan'ny ankamaroan'izy ireo. Afaka atao mazava ny tena hevitr'izany. DH: "izay nateraka ho azy tany Padana-Arama, afa-tsy Benjamina izay teraka tany amin'ny tany Kanana"
Eto ny "tonga" dia azo atao koa hoe "lasa."
Anarana hafa iantsoana an'i Hebrona izany. Mety nampitondraina ny anaran'i Mamre, ilay naman'i Abrahama izay nonina tao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:16.
Anaran-tanàna izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:1.
"180"
"Nitroka ny fofonainy farany Isaka ary maty." Ny andian-teny hoe " fofonainy farany" na "Niala aina" na "maty" dia milaza zavatra iray ihany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:7.DH: "maty i Isaka"
Fomba mihaja ilazana ny fahafatesan'ny olona izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:7.
Ny heviny dia hoe: tao aorian'ny nahafatesan'i Isaka, ny fanahiny dia lasa nakany amin'ny toerana izay nisy ireo havany izay efa maty talohany. Afaka atao izany hoe: DH: "nanjohy ireo fianakavina izay efa maty izy"
Milaza zavatra mitovitovy ihany izany andian-teny roa izany ary manasongadina fa niaina nandritra ny fotoana ela Isaka. DH: "rehefa niaina nandritra ny fotoana ela sy efa tena antitra"
1 Ireto ny taranak'i Esao (izay antsoina ihany koa hoe: Edoma). 2 Avy tamin'ireo Kananita i Esao no naka ireo vadiny. Ireto avy ireo vadiny: Ada ilay zanaka vavin'i Elona ilay Hetita; Oholibama ilay zanakavavin'i Ana, ilay zafikelin'i Zibona ilay Hivita; 3 ary Basemata, zanaka vavin'Ismaela, anabavin'i Nebaiota. 4 Niteraka an'i Elifaza tamin'i Esao i Ada, ary Basemata niteraka an'i Regoela. 5 Oholibama niteraka an'i Jeosy, Jalama, ary Kora. Ireo no zanaka naterak'i Esao izay teraka ho azy tany amin'ny tany Kanàna. 6 Nalain'i Esao ireo vadiny, ireo zanany lahy, ireo zanany vavy, sy ireo mpikambana rehetra ao amin'ny ankohonany, ireo biby fiompiny—ireo bibiny rehetra, sy ireo fananany rehetra, izay nangoniny tany amin'ny tany Kanana, ka lasa nankany amin'ny tany izay lavitra an'i Jakoba rahalahiny. 7 Nanao izany izy satria maro loatra ireo fananan'izy ireo raha hiara-honina. Ny tany izay efa nanorenan'izy ireo fonenana dia tsy nahazaka azy ireo noho ireo biby fiompin'izy ireo. 8 Noho izany Esao, izay fantatra ihany koa amin'ny hoe Edoma, dia nonina tany an-tendrombohitr'i Seira. 9 Izy ireo no taranak'i Esao, ilay razamben'ny Edomita tany an-tendrombihitr'i Seira. 10 Ireto ny anaran'ireo zanaka lahin'i Esao: Elifaza zanak'i Ada, ilay vadin'i Esao, Regoela zanak'i Basemata, ilay vadin'i Esao. 11 Temana, Omara, Zefo, Gatama, ary Kenaza no zanaka lahin'i Elifaza. 12 Timna, vaditsindranon'i Elifaza, zanak'i Esao, niteraka an'i Amaleka. Ireo no zafikelin'i Ada, vadin'i Esao. 13 Ireto no zanak'i Regoela: Nahata, Zera, Sama, ary Miza. Ireo no zafikelin'i Basemata, vadin'i Esao. 14 Ireto no zanak'i Oholibama, vadin'i Esao, izay zanaka vavin'i Ana sy zafikelin'i Zibona. Izy dia niteraka an'i Jeosy, Jalama, ary Kora tamin'i Esao. 15 Ireto ny foko teo amin'ny taranak'i Esao: ireo taranak'i Elifaza, ilay lahimatoan'i Esao: Temana, Omara, Zefo, Kenaza, 16 Kora, Gatama, ary Amaleka. Ireo no foko izay avy amin'ny taranak'i Elifaza tany amin'ny tanin'i Edoma. Izy ireo no zafikelin'i Ada. 17 Ireto ny foko avy amin'i Regoela, zanakalahin'i Esao: Nahata, Zera, Sama, Miza. Ireo no foko avy amin'ny taranak'i Regoela tany amin'ny tany Edoma. Ireo no zafikelin'i Basemata, vadin'i Esao. 18 Ireto ny fokon'i Oholibama, vadin'i Esao: Jeosy, Jalama, Kora. Ireo no foko avy amin'ny taranakin'i Oholibama vadin'i Esao, zanakavavin'i Anà. 19 Ireo no zanaka lahin'i Esao, ary ireo no fokon'izy ireo. 20 Ireto ny zanaka lahin'i Seira ilay Horita, ireo mponin'ny tany: Lotana, Sobala, Zibona, Ana, 21 Disona, Ezera, ary Disana. Ireo no fokon'ny Horita, ireo mponin'i Seira tany amin'ny tany Edoma. 22 Hory sy Hemana no zanak'i Lotana, ary Timna no anabavin'i Lotana. 23 Ireto no zanaka lahin'i Sobala: Alvana, Manahata, Ebala, Sefo, ary Onama. 24 Ireto no zanaka lahin'i Zibona: Aia sy Ana. Ana no nahita ilay loharano mafana tany an'efitra, raha niandry ireo borikin'i Zibona rainy izy. 25 Ireto ny zanak'i Ana: Disona sy Oholibama, ilay zanaka vavin'i Ana. 26 Ireto ny zanaka lahin'i Disona: Hemdana, Esbana, Jitrana, ary Kerana. 27 Ireto ny zanaka lahin'i Ezera: Bilana, Zavana, ary Akana. 28 Ireto ny zanaka lahin'i Disana: Oza sy Arana. 29 Ireto ny fokon'ireo Horita: Lotana, Sobala, Zibona, ary Ana, 30 Disona, Ezera, Disàna: ireto ny fokon'i Horita, araka ny fokon'izy ireo notanisaina tany amin'ny tany Seira. 31 Ireto ny mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma talohan'izay mpanjaka nanjaka teo amin'ireo Israelita: 32 Bela zanak'i Beora, nanjaka an'i Edoma, ary Dinaba no anaran'ny tanànany. 33 Rehefa maty Bela, dia nanjaka teo amin'ny toerany i Jobaba zanakalahin'i Zera, avy any Bozra. 34 Rehefa maty Jobaba, dia nandimby ny toerany i Hosama izay avy amin'ny tanin'ireo Temanita. 35 Rehefa maty Hosama, dia nandimby ny toerany i Hadada zanakalahin'i Bedada ilay nandresy an'ireo Midianita tany amin'ny tany Moaba. Avita no anaran'ilay tanànany. 36 Rehefa maty Hadada, dia nandimby ny toerany i Samla avy any Masreka. 37 Rehefa maty Samla, dia nandimby ny toerany i Saoly avy any Rehobota izay eo akaikin'ny ony. 38 Rehefa maty Saoly, dia nandimby ny toerany i Bala-hanana ilay zanaka lahin'i Akbora. 39 Rehefa maty Bala-hanana ilay zanaka lahin'i Akbora, dia nandimby ny toerany i Hadara. Pao no anaran'ilay tanànany. Ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, ilay zanaka vavin'i Matreda, izay zafikelin'i Me-zahaba. 40 Ireto no anaran'ireo lehiben'ireo foko avy amin'ny taranak'i Esao, araka ireo foko sy ny faritr'izy ireo, tamin'ny anaran'izy ireo: Timna, Alva, Jeteta, 41 Oholibama, Elaha, Pinona, 42 Kenaza, Temana, Mibzara, 43 Magdiela, Irama. Ireo no lehiben'ny fokon'i Edoma, araka ireo fonenany any amin'ny tany izay nananan'izy ireo. Esao izany, ilay rain'y Edomita.
"Ireto ny taranak'i Esao, izay antsoina ihany koa hoe: Edoma." Izany andian-teny izany dia mampiditra ny fitanisana ireo taranak'i Esao ao amin'ny Genesisy 36:1-8. DH: "Izany dia fitanisana ireo taranak'i Esao, izay antsoina ihany koa hoe: Edoma."
Anaran'ireo vadin'i Esao ireo.
"Elona ilay taranak'i Heta" na "Elona izay taranak'i Heta." Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:34.
Anaran-dehilahy ireo.
Ilazana anarana vondron'olona izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 10:15.
Anaran'ny anankiray amin'ireo vadin'i Esao izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:34.
Anaran'ny anankiray amin'ireo zanak'i Ismaela izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:8.
Anaran'ireo vadin'i Esao ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 36:1.
Anaran'ireo zanak'i Esao ireo.
Ilazana ny zavatra rehetra izay nangoniny nandritra izay nitoerany tany amin'ny tany Kanana izany. DH: "izay nangoniny nandritra izay nitoerany tany amin'ny tany Kanana"
Ny heviny dia mifindra amin'ny toerana iray ka monina any. DH: "nandeha nifindra tany amin'ny tany hafa"
"ireo fananan'i Esao sy Jakoba"
Tsy ampy hahazaka ireo biby fiompy izay nananan'i Esao sy Jakoba rehetra intsony ilay tany. DH: "tsy omby hahazaka ireo biby fiompin'izy ireo" na "tsy omby hahazaka ireo biby fiompin'i Esao sy Jakoba"
Ny teny hoe "nanorim-ponenana" dia midika hoe nifindra tany ho any ka nitoetra tany. DH: "tany amin'izay nifindran'izy ireo"
Izany andian-teny izany dia mampiditra ny fitanisana ireo taranak'i Esao ao amin'ny Genesisy 36:9-43. DH: "Izany dia fitanisana ireo taranak'i Esao"
Ny dikany dia hoe nonina tany amin'ny an-tendrombihitr'i Seira izy ireo. Ny tena hevitr'izany dia afaka atao mazava. DH: "izay nonina tany havonan'i Seira"
Anaran'ireo zanak'i Esao ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 36:4.
Anaran'ireo vadin'i Esao ireo. Jereo ny nandikanao ireo anarana ireo ao amin'ny 36:1.
Anaran'ireo zanak'i Elifaza ireo.
Anaran'ny vaditsindranon'i Elifaza izany.
Anaran'ireo vadin'i Esao ireo. Jereo ny nandikanao ireo anarana ireo ao amin'ny 36:4.
Anaran'ireo zanak'i Regoela ireo.
Anaran-dehilahy ireo.
Anaran'ireo vadin'i Esao ireo. Jereo ny nandikanao ireo anarana ireo ao amin'ny 36:1.
Anaran'ny anankiray amin'ireo zanak'i Esao izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 36:4.
Anaran'ireo zanak'i Elifaza ireo.
Anaran'ny anankiray amin'ireo vadin'i Esao izany. Jereo ny nandikanao ny anarany ao amin'ny 36:1.
Anaran'ireo zanak'i Esao ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 36:4.
Anaran'ireo zanak'i Regoela ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 36:13.
Ny heviny dia nonina tany amin'ny tany Edoma izy ireo. DH: "izay nonina tany amin'ny tany Edoma"
Anaran'ireo vadin'i Esao ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 36:1.
Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 36:1.
Ny teny hoe "Seira" dia anaran-dehilahy sy anaran-tanàna.
Ny teny hoe "Horita" dia ilazana vondron'olona. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 14:3.
"izay nitoetra tany amin'ny tanin'i Seira, izay antsoina ihany koa hoe Edoma"
Anaran-dehilahy ireo.
Anaram-behivavy izany.
Anaran-dehilahy ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 36:20.
Anaran-dehilahy ireo.
Anaran-dehilahy ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 36:20.
Anaram-behivavy izany.
Anaran-dehilahy ireo.
Anaram-bondron'olona izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 14:3.
Anaran-dehilahy ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 36:20.
Ny heviny dia hoe nonina tany amin'ny tanin'i Seira izy ireo. DH: "ireo izay nipetraka tany amin'ny tanin'i Seira"
Anaran-dehilahy ireo.
Ny heviny dia hoe ny tanàna izay nitoerany. DH: "ny anaran'ny tanàna izay nitoerany"
Anaran-toerana ireo.
Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 36:31.
Anaran-dehilahy ireo.
Ny heviny dia hoe nonina tany amin'ny tanin'ny Temanita i Hosama. DH: "Hosama izay avy amin'ny tanin'ny Temanita"
Anaran-toerana ireo.
"ireo taranak'i Temana"
Ny heviny dia hoe ny tanàna izay nonenany. DH: "ny anaran'ny tanàna izay nonenany"
"Samla avy any Masreka"
Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 36:34.
Nonina tany Rehobota i Saoly. Rehobota dia eo akaikin'ny Ony Efrata. Izany fampahafantarana izany dia afaka atao mazava. DH: "avy eo i Saoly dia nandimby ny toerany. Izy dia avy any Rehobota izay akaikin'ny Ony Efrata"
Anaran-dehilahy ireo.
Anaran-toerana ireo.
Ny heviny dia hoe ny tanàna izay nonenany. DH: "ny anaran'ny tanàna izay nonenany"
Ny andidiny tsy feno dia afaka ampiana. DH: "zanaka vavin'i Matreda izy, ary zafikelin'i Me-zahaba"
Anaram-behivavy izany.
"ireo mpitarika ireo foko"
Ireo foko sy ireo faritra dia nampitondraina ireo mpitarika ireo foko.Ho an'ny fandikan-teny mazava kokoa dia jereo ny UDB. DH: "Ny anaran'ireo foko sy ireo faritra izay nonenan'izy ireo dia nampitondraina ny anaran'izy ireo." Anaran'izy ireo izany."
Anaram-bondron'olona izany.
"toeram-ponenana" na "ny toerana izay nonenan'izy ireo"
Izany dia fitanisana an'ny lisitry Esao, izany hoe ny lisitry ireo taranak'i Esao iray manontolo. DH: " izany dia lisitry ireo taranak'i Esao"
1 Nonina tany amin'ilay tany izay nitoeran'ny rainy i Jakoba, tao amin'ny tany Kanana. 2 Izao ny tranga mahakasika an'i Jakoba. Josefa, izay tovolahy fito ambin'ny folo taona, dia niambina ireo ondry aman'osy niaraka tamin'ireo rahalahiny. Izy dia niaraka tamin'ireo zanaka lahin'i Bila sy ireo zanaka lahin'i Zilpa, ireo vadin'ny rainy. Nanao tatitra ratsy momba azy ireo tamin'ny rainy i Josefa. 3 Ary dia tian'i Israely mihoatra noho ireo zanany lahy hafa i Josefa noho izy zanakin'ny fahanterany. Nanjairany akanjo tsara tarehy izy. 4 Hitan'ireo rahalahiny fa tian'ny rainy mihoatra noho ireo rahalahiny rehetra izy. Nankahala azy izy ireo ary tsy niteny am-pitiavana taminy. 5 Nahazo nofy i Josefa, ary notantarainy tamin'ireo rahalahiny izany. Vao maika nankahala azy izy ireo. 6 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mba henoy anie izao nofiko izay nonofisiko izao. 7 Indro, namehy amboaram-bary tany an-tsaha isika ary indro, niarina ny amboarako ka tafajoro tsara, ary indro, nilahatra nanodidina ny ahy kosa ireo amboaranareo ary niankohoka teo anatrehan'ny amboarako." 8 Hoy ireo rahalahiny taminy hoe: "Dia hanjaka aminay tokoa ve ianao? Hanapaka anay tokoa ve ianao?" Vao maika izy ireo nankahala azy noho ireo nofiny sy ireo teniny. 9 Dia mbola nanofy hafa indray izy ka nambarany tamin'ireo rahalahiny. Hoy izy hoe: "Mbola nahazo nofy hafa indray aho: Niankohoka teo anatrehako ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo." 10 Notantarainy tamin-drainy izany toy ny nataony tamin'ireo rahalahany, ka notenenin-drainy mafy izy. Hoy izy taminy hoe: "Inona izany azonao nofy izany? Dia hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao tokoa ve izaho sy ny reninao ary ireo rahalahinao?" 11 Nialona azy ireo rahalahany, fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany tao an-tsainy. 12 Nandeha niandry ireo ondry aman'osin-drainy tany Sekema ireo rahalahiny. 13 Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Moa tsy lasa niandry ireo ondry aman'osy any Sekema ve ireo rahalahinao? Avia, fa hirahiko ho any amin'izy ireo ianao." Hoy Josefa taminy hoe: "Vonona aho." 14 Hoy izy taminy hoe: "Mandehana, ndeha zahao raha salama ireo rahalahinao sy ireo ondry aman'osy, ary tatero aty amiko." Ary dia navoakan'i Jakoba nihoatra ny lohasahan'i Hebrona izy, ary Josefa nankany Sekema. 15 Ary nisy lehilahy iray nahita an'i Josefa. Indro, i Josefa nirenireny teny an-tsaha. Nanontany azy ilay lehilahy hoe: "Inona no tadiavinao?" 16 Hoy Josefa hoe: "Mitady ireo rahalahiko aho. Miangavy, mba lazao ahy re, aiza izy ireo no miandry ireo ondry aman'osy." 17 Hoy ilay lehilahy hoe: "Efa nandao ity toerana ity izy ireo, ary reko izy ireo niteny hoe: 'Andeha isika ho any Dotana."' Nanaraka ny dian'ireo rahalahany i Josefa ka nahita azy ireo tany Dotana. 18 Tazan'izy ireo avy lavitra izy, ary talohan'ny nahatongavany teo akaikin'izy ireo, dia nanao tetika hamonoana azy izy ireo. 19 Nifampiresaka ireo rahalahany hoe: "Jereo, tamy ilay mpanonofy. 20 Avia ankehitriny, andeha ho vonointsika izy ka hatsipintsika ao amin'iray amin'ireo lavaka. Ho lazaintsika hoe: 'Narapakin'ny bibidia izy.' Dia ho hitantsika eo izay hiafaran'ireo nofiny." 21 Nandre izany Robena ka namonjy azy teo am-pelan-tanan'izy ireo. Hoy izy hoe: "Aleo tsy esorintsika ny ainy." 22 Hoy Robena tamin'izy ireo hoe: "Aza mandatsa-drà. Atsipazo any amin'ny lavaka izay an'efitra izy, fa aza mikasi-tanana azy"— mba hafahany manavotra azy eo an-tanan'izy ireo ka hitondra azy miverina any amin-drainy. 23 Ary rehefa tonga teo amin'ireo rahalahiny Josefa, dia nendahan'izy ireo taminy ilay akanjo tsara tarehy. 24 Noraisin' izy ireo izy ary natsipiny tao anaty lavaka. Foana ilay lavaka ary tsy nisy rano tao anatiny. 25 Nipetraka izy ireo mba hihinana mofo. Nanandratra ny masony izy ireo ka nijery, indreny, nisy Ismaelita niara-dia avy tany Gileada, niaraka tamin'ny ramevan'izy ireo izay nitondra hanitra, sy balsama ary miora. Nandeha izy ireo mba hitondra izany hidina ho any Egypta. 26 Hoy Joda tamin'ireo rahalahiny hoe: "Inona no tombotsoa ho azontsika raha mamono ny rahalahintsika sy manafina ny ràny isika? 27 Ndeha, ary aoka hamidintsika amin'ireo Ismaelita izy ary aoka tsy hisy hikasi-tanana azy isika. Satria rahalahintsika izy, nofontsika izy." Nihaino azy ireo rahalahiny. 28 Nandalo ireo Midianita mpivaro-mandeha. Nosintomin'ireo rahalahiny ary nankariny avy tao an-davaka i Josefa. Namidin'izy ireo farantsa volafotsy roapolo tamin'ireo Ismaelita i Josefa. Dia nentin'ireo Ismaelita tany Egypta i Josefa. 29 Niverina teo amin'ilay lavaka Robena, ary, indro, tsy tao anaty lavaka i Josefa. Norovitiny ny fitafiany. 30 Niverina tany amin'ireo rahalahiny izy ary niteny hoe: "Tsy ao ilay zazalahy! Aiza no tany halehako?" 31 Namono osy iray izy ireo ary naka ny akanjon'i Josefa ka nanatsoboka izany tao amin'ilay rà. 32 Ary dia nentin'izy ireo tany amin'ny rainy izany ary hoy izy ireo hoe: "Hitanay ity. Mba jereo raha akanjon'ny zanakao ity na tsia." 33 Fantatr'i Jakoba izany ary hoy izy hoe: "Akanjon'ny zanako ity. Narapaky ny bibidia izy. Tena rotidrotika tokoa Josefa." 34 Nandrovitra ny fitafiany Jakoba ary nisikina lamba fisaonana teo am-balahany. Nisaona ny zanany nandritry ny andro maro izy. 35 Nitsangana nampionona azy avokoa ny zanany lahy sy ny zanany vavy rehetra, fa tsy nety nampiononina izy. Hoy izy hoe: "Hidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita tokoa aho hisaona ny zanako lahy." Nitomany azy ny rainy. 36 Namidin'ireo Midianita tany Egypta tamin'i Potifara izy, tandapan'i Farao, ilay lehiben'ny mpiambina.
"tany amin'ny tany Kanana izay nitoeran'ny rainy"
Izany fehezanteny izany dia mampiditra ny tantaran'ireo zanak'i Jakoba ao amin'ny Genesisy 37:1-50:26. Eto "Jakoba" dia ilazana ny fianakaviana manontolo. DH: "Tantaran'ny fianakavian'i Jakoba izany"
"17 taona"
Anaran'ny mpanompo vavin'i Rahely izany. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 29:28.
Anaran'ny mpanompo vavin'i Lea izany. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 29:23.
"vaditsindrano" (UDB).Ireo vehivavy ireo dia mpanompo vavin'i Lea sy Rahely izay nomena an'i Jakoba hamokarany zaza.
"tatitra ratsy momba ireo rahalahiny"
Nampiasaina izany teny izany mba hanamarihana ny fiovana avy amin'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Israely sy Josefa.
Ilazana ny fitiavan'ny mpirahalahy na fitiava-namana na fitiavana ny havana izany. Fitiavana voajanahary eo amin'ny olona mpinamana na mpihavana.
Ny heviny dia hoe nandritra ny fahateran'i Israely no nahaterahan'i Josefa. DH: "izay teraka nandritra ny fahateran'i Israely"
"Nanjairan'i Israely (...) Josefa"
"akanjo lava tsara tarehy"
"tsy nahavita niteny taminy tam-pitiavana"
Famehezana ireo tantara izay nitranga ao amin'ny 37:6-11 izany.
"Ary ireo rahalahin'i Josefa dia nankahala azy mihoatra lavitra nohon'ny fankahalany azy teo aloha"
"Mba henoy ity nofiko ity" (UDB)
Nitantara tamin'ireo rahalahany mahakasika ny nofiny i Josefa.
Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika hitandrina tsara ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka.
Ny teny hoe "isika" dia ilazana an'i Josefa mbamin'ireo rahalahiny rehetra.
Rehefa masaka ny voa dia fehezina ho amboara ary ajanona eo mandra-pahatongan'ny fotoana hanesorana ny voa hiala amin'ny mololo.
Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa gaga tamin'izay hitany i Josefa.
Eto ny amboaram-bary dia mitsangana sy mandohalika toy ny hoe olona izy ireo. Ireo amboara dia maneho an'i Josefa sy ireo rahalahany.
Izany andian-teny roa izany dia milaza zavatra iray ihany. Mampiasa izany fanontaniana izany ireo rahalahin'i Josefa mba hanesoany an'i Josefa. Azo soratana toy ny fanambarana izany. DH: "Tsy ho mpanjaka anay mihitsy ianao, ary tsy mba hiankohoka aminao na oviana na oviana izahay!"
Ny teny "...anay = ...nay" dia hanondrona ireo rahalahin'i Josefa koa tsy tafiditra na lazaina amin'izany i Josefa.
"noho ny amin'ireo nofiny sy izay nolazainy"
"mbola nanofy hafa indray i Josefa"
"kintana 11"
"nibedy azy Israely, nanao hoe"
Mampiasa izany fanontaniana izany Israely mba hanitsiana an'i Josefa. Azo soratana toy ny fanambarana izany. DH: "Tsy mitombina izany nofinao izany. Ny reninao, ireo rahalahinao, ary izaho dia tsy hiankohoka eo anatrehanao!"
Ny heviny dia hoe tezitra nohon'ny fahombiazana na ny mampahalaza ny hafa.
Ny heviny dia mitadidy mahakasika ny hevitrin'ny nofin'i Josefa. DH: "mihevitra izay mety ho dikan'ny nofy"
Nampiasa izany fanontaniana izany Israely hanombohana ny resaka.DH: "Miandry ireo ondry aman'osy any Sekema ireo rahalahinao."
Eto dia azo lazaina fa miteny an'i Josefa mba hiomana sy handao ary handeha hijery ireo rahalahiny i Israely. DH: "Miomana"
Vonona ny handeha izy. "Vonona ny handeha aho"
"niteny tamin'i Josefa i Israely"
Ilain'i Israely hiverina i Josefa ary hilaza aminy mahakasika ireo rahalahiny sy ireo ondry aman'osy. DH: "Avia ka tantarao ahy izay hitanao" na "itondray tatitra aho" (UDB)
"niala ny lohasaha"
"nisy lehilahy iray nahita an'i Josefa nirenireny teny an-tsaha"
Manamarika ny fiandohan'ny tranga hafa ao amin'ny tantara iray manontolo izany. Mety hahakasika olona maro samihafa noho izay tao amin'ny tranga teo aloha izany. Mety hanana fomba filazana an'izany ny fiteninao.
"Inona no zahainao?"
"Miangavy mba lazao ahy hoe aiza"
"miandry ireo ondry aman'osin'izy ireo"
Anaran-toerana izay eo ho eo amin'ny 20 kilometatra miala an'i Sekema izany.
"Hitan'ireo rahalahany i Josefa raha mbola lavitra"
"nanao drafitra hamonoana azy izy ireo"
"indro fa tamy ilay iray izay nanonofy"
Izany andian-teny izany dia maneho fa notanterahiny ny tetik'izy ireo. DH: "Koa ankehitriny"
"biby mitera-doza" na "biby masiaka"
nihinana tsy ampihambahambana
Nikasa ny hamono hahafaty azy ireo rahalahiny, noho izany dia nataon'izy ireo eso ny firesahana ny fahatanterahan'izany nofy izany, satria ho faty izy. DH: "Amin'izany fomba izany no hahazoan'izy ireo antoka fa tsy ho tanteraka ireo nofiny"
"Nandre izay noresahin'izy ireo"
Ny andian-teny hoe "tanan'izy ireo" dia ilazana ny tetik'ireo rahalahiny hamono azy. DH: "hiala amin'izy ireo" na "hiala amin'ny tetik'izy ireo"
Ny andian-teny hoe "esorintsika ny ainy" dia fanalefahan-teny ho an'ny famonoana olona. DH: "Aoka tsy hamono an'i Josefa isika"
Ny "mandatsa-drà" ihany koa dia fanalefahan-teny ho an'ny famonoana olona. DH: "Aza manapitika rà" na "Aza mamono azy"
Ny heviny dia tsy manao ratsy azy na mandratra azy. DH: "aza mandratra azy"
Afaka adika ho fehezanteny vaovao izany: "Nilaza izany Robena mba hahafahany manavotra an'i Josefa"
Ny andian-teny "eo an-tanan'izy ireo" dia ilazana ny tetik'ireo rahalahiny hamono azy. DH: "hiala amin'izy ireo" na "hiala amin'ny tetik'izy ireo"
"ary hamerina azy"
Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarika ny tranga manan-danja ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza izany ny teninao, dia mihevera ampiasa an'izany eto.
"Notriarin'izy ireo hiala aminy ilay akanjo tsara tarehy"
"akanjo lava tsara tarehy." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 37:3.
"mofo" dia sarinteny ilazana ny "sakafo". DH: "Nipetraka ambany na nitorevaka tamin'ny tany mba hinan-kanina na "nipetraka ambany ireo rahalahin'i Josefa mba hisakafo"
Eto ny mijery ambony dia resahina ara-bakinteny toy ny olona manandratra ny masony. Ny teny hoe "indro" ihany koa eto dia nampiasaina hisintomana ny fifantohan'ny mpamaky amin'izay hitan'ireo lehilahy. DH: "Niandrandra izy ireo ary tampoka teo dia nahita (...) niara-dia"
"nilanja" na "nampilanjaina"
"hanitra"
menaka manim-pofona nampiasaina hitsaboana na hiarovana hoditra. "fanafody"
"nitondra izany hidina any Egypta." Afaka atao mazava kokoa izany. DH: "nitondra izany hidina any Egypta ho hamidy"
Afaka soratana ho lasa fanambarana izany. DH: " Tsy misy tombony azontsika amin'ny famonoana ny rahalahintsika sy fanamenana ny ràny"
Izany dia manana hevitra am-badika ilazana ny fanafenana ny fahafatesan'i Josefa. DH: "manafina ny famonoana azy"
"amin'ireo lehilahy taranak'i Ismaela ireo" (UDB)
Ny heviny dia tsy manao ratsy azy na mandratra azy. DH: "aza mandratra azy"
Ny teny hoe "nofo" dia sarinteny ilazana ny havana. DH: "havantsika iray rà amintsika izy"
"Nihaino an'i Joda ireo rahalahiny" na "niombon-kevitra tamin'i Joda ireo rahalahiny"
Ireo anarana roa ireo dia samy ilazana ny vondron'olona mpivarotra izay nifanena tamin'ireo rahalahin'i Josefa.
"mitovy amin'ny sandan'ny farantsa volafotsy 20"
"nitondra an'i Josefa tany Egypta" (UDB)
"Niverina teo amin'ilay lavaka Robena, ary, gaga ny amin'ny tsy fahitana an'i Josefa tao intsony." Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa taitra ny amin'ny fahitana fa tsy tao intsony i Josefa.
Izany dia maneho ny adin-tsaina lalina sy fahoriana . Afaka soratana mazava kokoa izany. DH: "Ory indrindra izy ka nandriatra ny fitafiany"
Nampiasa izany fanontaniana izany i Robena mba hanindrina fa olana ny tsy fahitana an'i Josefa. Afaka soratana ho toy ny fanambarana izany. DH: "Lasa ilay zazalahy! tsy afaka ny handeha hody any an-trano aho!"
Ilazana ilay akanjo tsara tarehy izay namboarin'ny rainy ho azy izany.
"ràn' ilay osy"
"nentin'izy ireo (...) ilay akanjo"
"nihinana (...) azy"
Nihevitra i Jakoba fa norotidrotehin'ny bibidia ny vatan'i Josefa. DH: "Tena nandrotindrotika an'i Josefa ho torotoro tokoa izany"
Izany dia maneho ny adin-tsaina lalina sy fahoriana . Afaka soratana mazava kokoa izany. DH: "Ory indrindra izy ka nandriatra ny fitafiany"
Eto ny "valahana" = " ...balahany" dia ilazana ny faritra afovoan'ny vatana na ny andilana. DH: "nisikina lamba fisaonana"
Ny fahatongavan'ireo akizy tany amin'ny rain'izy ireo dia resahina toy ny hoe "nitsangana." DH: "tonga teo aminy"
Afaka atao izany hoe: DH: "Fa tsy namela azy ireo hampionona azy izy"
"Namidin'ireo Midianita i Josefa"
Ny heviny dia hoe hisaona izy amin'izany andro izany ka hatramin'ny hahafatesany. DH: "Eny tokoa, rehefa maty sy hidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita aho dia mbola hanohy hisaona"
"ilay mpitarika ireo miaramila izay niambina ny mpanjaka"
1 Ary tamin'izany andro izany dia nandao ireo rahalahiny i Joda ary niara-nipetraka tamina Adolamita, izay nantsoina hoe Hira. 2 Tany no nihaonany tamin'ny zanaka vavin'ny lehilahy Kananita izay nantsoina hoe Soa. Nanambady azy izy ary niara-nandry taminy. 3 Nanan'anaka izy ary nahazo zazalahy. Era no niantsoana azy. 4 Nanan'anaka indray izy ary nahazo zazalahy. Nantsoiny hoe Onana. 5 Ary mbola nahazo zazalahy indray izy ary nantsoiny hoe Sela. Tany Keziba no niterahany azy. 6 Joda nahita vady ho an'i Era, lahimatoany. Tamara no anarany. 7 Era zanaka lahimatoan'i Joda dia ratsy teo imason'i Yaveh. Novonoin'i Yaveh izy. 8 Hoy Joda tamin'i Onana hoe: "Mandria miaraka amin'ny vadin'ny rahalahinao. Ataovy aminy ny adidy amin'ny maha-zaodahy anao, ary manangàna zanaka ho an'ny rahalahinao." 9 Ary fantatr'i Onana fa ny zaza dia tsy ho azy. Ka isaky ny niara-nandry tamin'ny vadin-drahalahiny izy, dia nararany tamin'ny tany ny tsirin'ainy mba tsy hananany zaza ho an'ny rahalahiny. 10 Ratsy ny nataony teo imason'i Yaveh. Novonoin'i Yaveh ihany koa izy. 11 Ary hoy Joda tamin'i Tamara, vinanto vaviny hoe: "Aoka ianao hijanona mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehibe an'i Sela, zanako lahy." Satria natahotra izy hoe: "Sao ho faty tahaka ireo rahalahiny ihany koa izy." Lasa Tamara ary nipetraka tao an-tranon'ny rainy. 12 Fotoana maro taty aoriana, dia maty ny vadin'i Joda, zanaka vavin'i Soa. Efa nionona i Joda ary niakatra tany amin'ny mpanety ny ondriny tany Timna, izy sy Hira ilay Adolamita namany. 13 Nisy nilaza tamin'i Tamara hoe: "Indro, ny rafozanao fa miakatra any Timna hanety ny ondriny." 14 Nesoriny ny akanjo maha-mpitondratena azy dia norakofany ny voaliny ary nosaronany ny tenany. Nipetraka teo am-bavahadin'i Enaima, izay teo akaikin'ny lalana mankany Timna izy. Satria efa hitany fa efa lehibe i Sela kanefa tsy mba natolotra ho vadiny izy. 15 Rehefa nahita azy i Joda dia nihevitra fa mpivaro-tena izy satria nosaronany ny tarehiny. 16 Nanatona azy teny an-dalana izy ary niteny hoe: "Avia, aleo aho mba hiara-mandry aminao" —satria tsy fantany hoe vinantovaviny izy—ary hoy izy hoe: "Inona no homenao ahy dia afaka miara-mandry amiko ianao?" 17 Hoy izy hoe: "Hanaterako zanak'osy amin'ireo ondry aman'osy ianao." Hoy izy hoe: "Hanome antoka ahy ve ianao mandra-panateranao izany?" 18 Hoy izy hoe: "Inona no antoka azoko omena anao?" Namaly izy hoe: "Fanombohan-kase sy ny kofehinao, ary iny tehina eny an-tananao iny." Nomeny azy ireo ary niara-nandry taminy izy, ka dia nitoe-jaza taminy izy. 19 Nitsangana izy ary niala teo. Nesoriny ny voaliny ary nampidiriny ny lamba maha mpitondratena azy. 20 Nampanaterin'i Joda an'ilay Adolamita namany ny zanak'osy tamin'ireo ondry aman'osy mba hahazoany ilay antoka teny an-tanan-dravehivavy, kanefa tsy nahita azy izy. 21 Avy eo dia nanontany ireo lehilahy nonina teo an-toerana ilay Adolamita hoe: "Aiza ilay mpivarotena teto amin'ny lalan'i Enaima?" Hoy izy ireo hoe: "Tsy nisy mpivaro-tena teto." 22 Dia niverina tany amin'i Joda izy ary hoy izy hoe: "Tsy nahita azy aho. Ary hoy koa ireo lehilahy teo an-toerana hoe: 'Tsy nisy mpivaro-tena teto" 23 Hoy i Joda hoe: "Aleo ho tazominy any ireny zavatra ireny, mba tsy hanala baraka antsika. Efa nampanatitra zanak'osy tokoa aho, kanefa ianao tsy nahita azy." 24 Ary rehefa afaka telo volana teo dia nisy nilaza tamin'i Joda hoe: "Nivarotena i Tamara vinantovavinao, ary efa mitoe-jaza noho izany tokoa izy." Hoy Joda hoe: "Ento aty izy ary aoka ho dorana." 25 Ary rehefa navoaka izy dia nampita hafatra tany amin'ny rafozany hoe: "Avy amin'ny lehilahy tompon'ireto no nampitoe-jaza ahy." Hoy izy hoe: "Mba fantaro re hoe an'iza ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto." 26 Ary fantatr'i Joda ireo zavatra ireo ka hoy izy hoe: "Marina mihoatra ahy izy, satria izy dia tsy natolotro ho vadin'i Sela zanako." Ary tsy niara-nandry taminy intsony izy. 27 Ary tamin'izany andro izany dia teraka izy, indro, kambana no tao an-kibony. 28 Ary raha teo am-piterahana dia nipoitra ny tanan'ny iray tamin'ireo zaza, ary naka kofehy mena ilay mpampivelona ka nataony voina tamin'ny tanany ary hoy izy hoe: "Ity no teraka voalohany." 29 Ary avy eo dia nahemony ny tanany, ary indro, ny rahalahiny nivoaka voalohany. Hoy ilay mpampivelona hoe: "Tamin'ny fomba ahoana no nahatafavoaka anao!" Koa dia nantsoina hoe Fareza izy. 30 Ary nivoaka indray ilay rahalahiny, izay nisy an'ilay kofehy mena tamin'ny tanany ka nantsoina hoe Zera izy.
Mampiditra fizaran-tantara vaovao izay mifantoka kokoa amin'i Joda izany.
Eto hoe Hira dia anaran-dehilahy izay nipetraka tao Adolama. Adolamita no ilazana ny olona avy ao.
I Soa dia vehivavy Kananita izay nanambady an'i Joda.
"Nanan'anaka ny vadin'i Joda"
Afaka atao izany hoe: DH: "Era no anaran-drainy"
Anaran'ireo zanaka lahin'i Joda ireo.
"nanome anarana azy hoe"
Anaran-toerana izany.
Anaran'ny iray amin'ireo zanaka lahin'i Joda izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:3.
Ny andian-teny hoe "teo imason'i Yaveh" dia ilazana ny fahitan'i Yaveh ny faharatsian'i Era. DH: "ratsy toetra ary hitan'i Yaveh izany"
Novonoin'i Yaveh izy satria ratsy toetra. Afaka atao mazava izany. DH: "Koa dia novonoin'i Yaveh izy"
Anaran'ny iray amin'ireo zanaka lahin'i Joda izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:3.
amin'ny maha-zaodahy - Izany dia ilazana ny fomba hoe rehefa maty ny zoky lahy kanefa mbola tsy niteraka izy sy ilay vadiny, dia izay zoky manaraka azy no manambady sy miray ara-nofo amin'ilay mananontena. Rehefa miteraka zazalahy voalohany ilay mpitondra tena, izany zaza izany dia heverina toy ny zanak'ilay zoky ary mahazo ny anjara lovany.
Ny andian-teny "teo imaso..." dia ilazana an'i Yaveh izay nahita ny haratsin'i Onana. DH: "ratsy ary hitan'i Yaveh izany"
Novonoin'i Yaveh izy satria nanao izay ratsy. Afaka atao mazava izany. DH: "Namono azy ihany koa Yaveh"
-"ny vadin'ny zanany lahimatoa"
DH: "ary hipetraka ao an-tranon-drainao"
Nikasa ny hampanambady an'i Tamara sy Sela i Joda rehefa lehibe i Sela. DH: "ary rehefa lehibe i Sela, zanako lahy, dia afaka manambady anao"
Anaran'ny iray amin'ireo zanaka lahin'i Joda izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:3.
Natahotra i Joda ndrao ho faty toa an'ireo rahalahany ihany koa i Sela raha manambady an'i Tamara. DH: "Satria natahotra izy, "raha manambady azy izy dia mety ho faty tahaka ireo rahalahany ihany koa"
Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:1.
"raha tsy nalahelo intsony i Joda, izy"
"Timna, any amin'ny fanetezan'ireo olony ny ondry"
Anaran-toerana ireo.
"nandeha niaraka taminy i Hira namany, izay avy any Adolama" (UDB)
"Hirama" no anaran'ilay lehilahy, ary "Adolama" no anaran'ilay vohitra izay nonenany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:1.
Afaka atao izany hoe: DH: "Nisy olona nilaza tamin'i Tamara"
"Mihainoa." Eto ny teny hoe "Indro" dia nampiasaina hisarihana ny sain'i Tamara.
"ny rain'ny vadinao"
"izay anaovan'ny mpitondra tena"
lamba manify izay hanaronana ny loha sy ny tavan'ny vehivavy
Ny heviny dia hoe nanafina ny tenany tamin'ny fiakanjo izy mba tsy hahalalan'ny olona azy. Araka ny fomba, misy ampahany amin'ny akanjon'ny vehivavy izay tena lava ka manarona ny tenan'izy ireo. DH: "ary nanarona ny tenany tamin'ny fiankanjony mba tsy hahalalan'ny olona azy"
" teo amin'ny lalana" na "any amin'ny lalana"
Afaka atao izany hoe: DH: "tsy mba natolotra ho vadiny i Sela"
Tsy fantatr'i Joda hoe mpivarotena izy satria nisarona ny tavany ary koa nipetraka teo am-bavahady izy. DH: "satria nanarona ny lohany izy ary nipetraka teo am-bavahady toy ny fanaon'ny mpivarotena" (UDB)
Nipetraka teo amin'ny lalana i Tamara. DH: "Nandeha tany amin'ny lalana izay nipetrahany"
"ndeha hanaraka ahy" na "avia ankehitriny"
"Rehefa nahita an'i Tamara i Joda"
"vadin'ny zanany lahy"
"avy amin'ireo andian'osiko"
Ny "fanombohan-kase" dia mitovitovy amin'ny vola izay ahitana sary sokitra, ampiasaina ho toy ny marika amin'ny savoka mitsonika. Ny "kofehy" dia napetaka tamin'ny fanombohan-kase mba hahafahan'ny tompony mitondra izany amin'ny tendany. Ny tehana indray dia hazo lava mitsatoka amin'ny tany izay manampy amin'ny fandehanana.
Afaka atao izany hoe: DH: "nahabevohoka azy izy"
lamba manify izay hanaronana ny loha sy ny tavan'ny vehivavy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:12.
"izay anaovan'ny mpitondra tena" Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:12.
"avy amin'ireo ondry aman'osy"
"Adolamita" no anaran'ilay vohitra izay nonenan'i Hira. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 36:31.
Afaka ataonao mazava izany hoe: DH: "alaivo ny antoka"
Eto ny "tanana" dia manasongadina fa teny ambany fahefany izany. Ny tanan-dravehivavy dia ilazana azy. DH: "avy amin'ilay vehivavy"
"Adolamita" no anaran'ilay vohitra izay nonenan'i Hira. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 36:31.
"ny sasany tamin'ireo lehilahy izay nonina teo an-toerana "
"mpivarotena izay nanompo tao am-piangonana"
Anaran-toerana izany. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 38:12.
Raha fantatrin'ny olona fa nitranga izany dia ho hataony fanalana sy fihomehezana i Joda. Afaka atao mazava izany: DH: "raha tsy izany dia hihomezan'ny olona isika raha mahafantatra ny zavatra izay nitranga izy ireo"
Nampiasaina izany teny izany mba hanamarihana ny fizaran-tantara vaovao.
Afaka atao izany hoe: DH: "nisy olona nilaza tamin'i Joda"
"Tamara, ilay vadin'ny zanakao lahimatoa"
Ny teny hoe: "izany" dia ilazana ny "fijangajangana" izay nataony. Afaka atao izany hoe: DH: "nahabevohoka azy izany" na "bevohoka izy"
"Ento mivoaka izy"
Afaka atao izany hoe: DH: "hodorantsika ho faty izy"
Afaka atao izany hoe: DH: "Ary rehefa nentin'izy ireo nivoaka izy"
"ny rafozan-dahiny"
Ny "fanombohan-kase" dia mitovitovy amin'ny vola izay ahitana sary sokitra, ampiasaina ho toy ny marika amin'ny savoka mitsonika. Ny "kofehy" dia napetaka tamin'ny fanombohan-kase mba hahafahan'ny tompony mitondra izany amin'ny tendany. Ny tehana indray dia hazo lava mitsatoka amin'ny tany izay manampy amin'ny fandehanana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:17.
Anaran'ny iray amin'ireo zanaka lahin'i Joda izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:3.
Nampiasaina hanamarika fizaran-tantara vaovao izany andian-teny izany.
Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika amin'ny tsy nanampoizana fa bevohoka kambana i Tamara, izay tsy mbola fantatra teo aloha.
Ny andian-teny "Ary raha" dia manamarika ny tranga manan-danja ao amin'ny tantara. Raha manana fomba ilazana an'izany ny fiteninao, dia mihevera ny ampiasa izany eto.
"ny anankiray tamin'ireo zaza namoaka ny tanany"
olona izay manampy ny vehivavy mandritra ny fiterahany na famoahany zaza. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 35:16.
"mitondra kofehy mena"
"manodidina ny vodivoapelatanany"
Izany andian-teny izany dia manamarika ny tranga manan-danja ao amin'ny tantara. Raha manana fomba ilazana an'izany ny fiteninao, dia mihevera ny ampiasa izany eto.
Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika hifantoka amin'ny fampahafantarana izay tsy ampoizina izay ho avy manaraka.
Maneho ny fahatairan'ny mpampivelona raha nahita ny zazakely faharoa nivoaka voalohany izany. DH: "Koa dia toy ny ahoana ny nivoahanao voalohany tao!" na "Nibosesika nivoaka voalohany ianao!"
Afaka atao izany hoe: DH: "nanome anarana azy izy hoe..."
Anaran-jazalahy kely izany. Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Fareza dia midika hoe 'fiporitsahana na fibosesehana.'''
Anaran-jazalahy kely izany. Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Zera dia midika hoe 'jaky na mena midorehitra.'''
1 Nentina nidina tany Egypta i Josefa. Potifara, manam-pahefana an'i Farao izay kapitenin'ny mpiambina sy Egyptiana, no nividy azy tamin'ireo Ismaelita, izay nitondra azy nidina tany. 2 Nomba an'i Josefa i Yaveh ka tonga lehilahy ambinina izy. Nipetraka tao amin'ny tranon'ny Egyptiana tompony izy. 3 Ny tompony dia nahita fa nomba azy Yaveh ary nampiroborobo ny zavatra rehetra izay nataony. 4 Dia nahita sitraka teo imasony i Josefa. Ary nanompo an'i Potifara izy. Nataon'i Potifara ho mpitantana ny tranony i Josefa, ary izay rehetra nananany, dia nataony teo ambany fiahiany. 5 Ary nanomboka tamin'ny fotoana izay nampitantanany azy ny tranony sy izay rehetra nananany, dia notahian'i Yaveh ny tranon'ilay Egyptiana noho i Josefa. Ny fitahian'i Yaveh dia tao amin'ny zavatra rehetra izay nananan'i Potifara tao an-trano sy tany an-tsaha. 6 Napetrak'i Potifara teo ambany fiahian'i Josefa izay rehetra nananany. Tsy nila nieritreritra na inona na inona afa-tsy ny sakafo ho haniny izy. Ary Josefa dia tsara tarehy sady mahasarika. 7 Ary tao aorian'izay dia nitsiriritra an'i Josefa ny vadin'ny tompony. Hoy izy hoe: "Mandria miaraka amiko." 8 Fa nandà izy ka niteny tamin'ny vadin'ny tompony hoe: "Indro, ny tompoko tsy miraharaha izay zavatra ataoko ato an-trano, ary nametraka tamiko ny zavatra rehetra izay azy eo ambany fiahiako izy. 9 Tsy misy lehibe noho izaho ato amin'ity trano ity. Tsy nandrara na inona na inona tamiko afa-tsy ianao izy, satria vadiny ianao. Dia ahoana no ahafahako manao izany faharatsiana lehibe sy fahotàna manohitra an'Andriamanitra izany?" 10 Niteny tamin'i Josefa isan'andro isan'andro izy, saingy nandà tsy hiara-handry aminy na hiaraka aminy izy. 11 Ary indray andro dia niditra tao an-trano hanao ny asany izy. Tsy nisy tamin'ireo lehilahy ao an-trano nijanona tao. 12 Nisambotra azy tamin'ny akanjony izy ary niteny hoe: "Mandria miaraka amiko." Navelany teo an-tanany ny akanjony, ka nandositra, ary nivoaka tany ivelany izy. 13 Ary rehefa hitany fa navelany teo an-tanany ny akanjony ary nandositra nivoaka tany ivelany izy, 14 dia nantsoiny ireo olona tao an-tranony ary nilazany hoe: "Jereo, Potifara nampiditra Hebreo mba hisangy antsika. Niditra tao amiko izy mba hiara-handry amiko, dia nihiakiaka aho. 15 Ary rehefa reny nihiakiaka aho, dia navelany teto amiko ny akanjony, ka nandositra, ary nivoaka tany ivelany izy." 16 Napetrany teo akaikiny ilay akanjon'i Josefa mandra-pahatonga ny tompony tao an-trano. 17 Niteny taminy izao fanazavana izao izy hoe: "Ilay mpanompo Hebreo izay nentinao ho antsika, dia niditra tato haniratsira ahy. 18 Ary rehefa nihiakiaka aho, dia navelany teto amiko ny akanjony ka nandositra tany ivelany izy." 19 Ary rehefa henon'ny tompony ny fanazavana notenenin'ny vadiny taminy hoe: "Izany no nataon'ny mpanomponao tamiko," dia tezitra mafy izy. 20 Naka azy ny tompon'i Josefa ka nametraka azy tany am-ponja, toerana izay nitazomana ireo voafonjan'ny mpanjaka. Dia tao an-tranomaizina izy. 21 Fa Yaveh nomba an'i Josefa ka naneho ny tsy fivadiham-panekena taminy. Nampahita fitia azy teo imason'ny mpiambina ny fonja Izy. 22 Nampandray an-tanana an'i Josefa ny voafonja rehetra izay tao an-tranomaizina ilay mpiambina ny fonja. Na inona na inona nataon'izy ireo tao, dia nandray an-tanana izany Josefa. 23 Ny mpiambina ny fonja dia tsy nanahy ny zavatra rehetra izay teo an-tanany, satria nomba azy Yaveh. Izay rehetra nataony, dia nambinin'i Yaveh.
Ny mandeha any Egypta dia noheverina foana fa mandeha "midina" izay mifanohitra amin'ny mandeha "miakatra" ho amin'ny tany izay nampanantenana. Afaka atao izany hoe: DH: "Noentin'ireo Ismaelita tany Egypta i Josefa"
Ny heviny dia nanampy an'i Josefa i Yaveh ary niaraka taminy hatrany. DH: "nitarika an'i Josefa i Yaveh ary nanampy azy"
Eto ny mpanoratra dia miresaka ny miasa ao an-tranon'ny tompony toy ny mipetraka ao an-tranon'ny tompony. Ny mpanompo hatokisana ihany no mahazo miasa ao an-tranon'ny tompony. : DH: "Niasa tao amin'ilay trano izy" (UDB)
Lasa andevon'i Potifara i Josefa ankehitriny
Ny heviny dia hoe nahita ny tompony fa nanampy an'i Josefa Yaveh. DH: "Hitan'ny tompony fa nanampy azy Yaveh"
"nanambina ny zavatra rehetra izay nataon'i Josefa Yaveh"
Ny hevitry ny hoe "nahita sitraka" dia neken'ny olona. Ny fomba fiteny hoe "teo imasony" dia ilazana ny hevitry ny olona. Ireo mety ho heviny dia 1) DH: "faly tamin'i Josefa i Potifara" na 2) DH: "faly tamin'i Josefa Yaveh"
Ny heviny dia hoe mpanompon'i Potifara manokana izy.
"nampandraiketin'i Potifara an'i Josefa ny tokan-tranony sy ny zavatra rehetra izay nananan'i Potifara"
Rehefa misy zavatra izay "atao eo ambany fiahian'ny olona iray," dia lasa tompon'andraikitra ny amin'ny fikarakarana sy ny fitandrovana an'izany fatratra izay olona izany. DH: "i Josefa no nampiandraiketiny"
Izany andian-teny izany dia nampiasaina hanamarihana ny fiandohan'ny fizaran-tantara vaovao.
"nampandraiketin'i Potifara an'i Josefa ny tokan-tranony sy ny zavatra rehetra izay nananany"
Eto ny "notahiana" dia midika hoe nampitranga zavatra tsara na nampahazo tombotsoa ny olona na ny zavatra izay voatahy.
Eto ny mpanoratra dia miresaka ny fitahiana izay omen'i Yaveh toy ny zavatra izay manarona ny zavatra iray hafa. DH: "nitahy i Yaveh"
Ilazana ny ankohonany sy ireo vokatrany ary ireo biby fiompiny. Ny tena hevitr'izany fanambarana izany dia afaka atao mazava. DH: "Ny ankohonan'i Potifara sy ireo vokatrany rehetra mbamin'ireo biby fiompiny"
Rehefa misy zavatra izay "atao eo ambany fiahian'ny olona iray," dia lasa tompon'andraikitra ny amin'ny fikarakarana sy ny fitandrovana an'izany fatratra izay olona izany. DH: "i Josefa no nampiandraiketiny." DH: "Koa niandraiketan'i Josefa ny zavatra rehetra izay nananany"
Tsy nila miahiahy mahakasika ny zavatra izay ao an-tokantranony izy; ny hany nataony dia ny mihevitra izay tiany hohanina. Afaka atao izany hoe: DH: "ny hany mba noheritretin'i Potifara dia ny mihevitra izay tiany hohanina. Tsy nila nisaina ny zavatra hafa tao an-tokantranony izy " (UDB)
Ny teny "ary" dia manamarika fiatona ao amin'ny fizotry ny tantara ary ny mpanoratra dia manome fampahafantarana fototra mahakasika an'i Josefa.
Mitovy ihany ny hevitr'ireo teny roa ireo. Ilazana ny endrik'i Josefa izay maha-te-ho tia. Azo antoka tokoa fa tsara tarehy sy matanjaka izy. DH: "tsara tarehy sy matanjaka"
"Ary koa." Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara.
"Henoy." Nampiasain'i Josefa izany teny izany hisarihany ny fifantohan'ny vadin'i Potifara.
"tsy mandrara mahakasika ny ankohonany izay nosahaniny izy." Afaka atao izany hoe: DH: "mahatoky ahy amin'ny fitantanana ny ankohonany ny tompoko"
Rehefa misy zavatra izay "atao eo ambany fiahian'ny olona iray," dia lasa tompon'andraikitra ny amin'ny fikarakarana sy ny fitandrovana an'izany fatratra izay olona izany. DH: "i Josefa no nampiandraiketiny." DH: "Koa niandraiketan'i Josefa ny zavatra rehetra izay nananany"
Eto ny mpanoratra dia miresaka ny fahefana toy ny zavatra izay tena lehibe. DH: "Manana fahefana ato amin'ity trano ity mihoatra nohon'ny olona hafa aho"
Afaka atao izany hoe: DH: "Efa nanome ny zavatra rehetra ankoatra anao ho ahy izy"
Nampiasa izany fanontaniana izany i Josefa mba ho fanasongadinana. DH: "Azo antoka tokoa fa tsy hanao izany faharatsiana lehibe sy fahotàna manohitra an'Andriamanitra izany aho."
Ny heviny dia hoe nanohy nangataka azy hiara-mandry aminy izy. Ny tena hevitr'izany fanambarana izany dia afaka hazavaina. DH: "Nanohy nangataka an'i Josefa hiara-mandry aminy izy"
"ny ho eo akaikiny"
"Ary koa." Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara.
"Tsy nisy tamin'ireo lehilahy izay niasa tao an-trano"
"ary nitsoaka haingana tany ivelany" na "nivoaka faingana tao an-trano"
"Ary ... dia niantso." Ny teny hoe "ary" eto dia nampiasaina hanamarika ny tranga manaraka ao amin'ny tantara.
"ary nitsoaka nivoaka haingana tany ivelany"
"ireo lehilahy izay niasa tao an-tranony"
"Henoy." Nampiasa izany teny izany Potifara mba hisarihana ny fifantohan'ireo mpanompo.
Eto ny vadin'i Potifara dia manasoketa an'i Josefa ho nikasa hisambotra azy sy hiara-mandry aminy.
"Raha nandre ahy nihiakiaka izy, (...) izy." Ny teny "ary" eto dia nampiasaina hanamarika ny tranga manaraka ao amin'ny tantara.
"ny tompon'i Josefa." Ilazana an'i Potifara izany.
"Toy izao no nanazavany azy"
Ny teny hoe "antsika" dia ilazana an'i Potifara, ny vadiny, ary ny sisa amin'ny ankohonany.
"niditra tato nanao adalana tamiko." Eto, ny teny hoe "haniratsirara" dia fanalefahan-kevitra ho an'ny "hisambotra sy hiara-mandry." DH: "niditra tao amin'izay nisy ahy ary nikasa ny hanery ahy hiara-mandry aminy" (UDB)
"Avy eo." Mampiasa izany andian-teny izany ny vadin'i Potifara hanamarihana ny tranga manaraka izay mahakasika ny fitantarany momba ny fikasan'i Josefa hiara-mandry aminy.
"nihazakazaka faingana hivoaka ny trano"
"Ary koa." Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara.
"ny tompon'i Josefa." Ilazana an'i Potifara izany. Afaka atao mazava izany fampahafantarana izany. DH: "i Potifara, tompon'i Josefa"
"naheno ny fanazavan'ny vadiny taminy izy." Ny teny hoe "..ny" sy ny "izy" eto dia ilazana an'i Potifara.
"tezitra mafy i Potifara"
Afaka atao izany hoe: DH: "ny toerana izay hametrahan'ny mpanjaka ireo gadrany"
"nijanona tao i Josefa"
Ilazana izay nikarakaran'i Yaveh an'i Josefa sy ny fahatsarany taminy izany. DH: "Kanefa Yaveh naneho ny fahatsarany tamin'i Josefa" (UDB) na "Kanefa Yaveh nikarakara an'i Josefa"
Ny heviny dia hoe nataon'i Yaveh nanaiky sy nitondra azy tsara ny mpiambina ny fonja. DH: "Nataon'i Yaveh nankasitraka an'i Josefa ny mpiambina ny fonja"
"ilay mpandraharaha ny fonja" na "ilay lehilahy izay miandraikitra ny fonja"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny hery na fitokiana izay ananan'i Josefa. DH: "nampiandraikitra an'i Josefa"
"Niandraikitra ny zavatra rehetra izay nataon'izy ireo tao i Josefa"
Ilazana ny nanampian'i Yaveh an'i Josefa sy ny nitarihany azy izany. DH: "satria nitarika an'i Josefa i Yaveh"
"Nataon'i Yaveh ambinina ny zavatra rehetra izay nataon'i Josefa"
1 Ary taorian'izany zavatra rehetra izany, dia nanafintohina ny tompon'izy ireo, ilay mpanjakan'i Egypta, ny mpitondra kapoakan'ny mpanjaka sy ny mpanao mofony. 2 Tezitra tamin'ireo manam-pahefany roa lahy i Farao, dia ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo. 3 Nogadrainy tao an-tranon'ny lehiben'ny mpiambina izy ireo, tao amin'ilay fonja izay nihazonana an'i Josefa ihany. 4 Nanendry an'i Josefa ny lehiben'ny mpiambina mba ho mpanompon'izy ireo. Ary izy ireo nitoetra nandritry ny fotoana maharitra tany am-ponja. 5 Samy nanonofy izy ireo—ilay mpitondra kapoaka sy mpanao mofon'ny mpanjakan'ny Egypta izay nohazonina tao amin'ny fonja—dia samy nanana ny nofiny avy izy roa lahy tamin'io alina io, ary ny nofy tsirairay dia samy nanana ny heviny manokana. 6 Tonga maraina tao amin'izy ireo i Josefa ary nahita azy ireo. Indro, nalahelo izy ireo. 7 Nangataka tamin'ireo tandapan'i Farao izay niaraka taminy tao am-ponja tao an-tranon'ny tompony izy, nanao hoe: "Nahoana ianareo no toa malahelo izao?" 8 Hoy izy ireo taminy hoe: "Nanofy izahay roa lahy ary tsy misy afaka ny hilaza ny hevitr'izany." Hoy Josefa tamin'izy ireo hoe: "Tsy avy amin'Andriamanitra ve ny fanomezana dika izany? Mba lazao ahy re." 9 Dia nilaza ny nofiny tamin'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka. Hoy izy taminy hoe: "Tao anatin'ny nofiko, dia indro, nisy voaloboka teo anoloako. 10 Nisy sampana telo tamin'ilay voaloboka. Raha nitsimoka izany, dia namony ny voniny ary masaka ireo sampam-boaloboka. 11 Teo an-tanako ny kapoakan'i Farao. Nalaiko ireo voaloboka ka nofihazako tao anatin'ny kapoakan'i Farao ireo, ary napetrako teo an-tanan'i Farao izany." 12 Niteny taminy Josefa hoe: "Ity no hevitr'izany. Ny sampam-boaloboka telo dia mira hateloana. 13 Ao anatin'ny hateloana i Farao no hampitraka ny lohanao ary hamerina anao amin'ny asanao. Hametraka ny kapoakan'i Farao eo an-tanany ianao, toy ny tamin'ny naha-pitondra ny kapoakany anao. 14 Fa tsarovy aho rehefa milamina ny aminao, ary mba manehoa hatsaram-panahy amiko. Resaho any amin'i Farao aho ary esory ato amin'ity fonja ity. 15 Fa nalaina an-keriny tamin'ny tany Hebreo tokoa aho. Eto ihany koa dia tsy nisy zavatra nataoko izay tokony nametrahan'izy ireo ahy ato amin'ity fonja ity." 16 Rehefa hitan'ny lehiben'ny mpanao mofo fa tsara ny hevitr'izany, dia hoy izy tamin'i Josefa hoe: "Nanofy ihany koa aho, ary, indro, nisy harona telo nisy mofo teo an-dohako. 17 Teo amin'ny harona ambony indrindra dia nisy ireo karazan-javatra maro natao mofo ho an'i Farao, kanefa nohanin'ireo vorona avy tao amin'ny harona teo ambony lohako izany. 18 Namaly Josefa ary nanao hoe: "Izao no hevitr'izany. Ny harona anaky telo dia mira hateloana. 19 Anatin'ny hateloana no hanalan'i Farao ny lohanao ary hanantonany anao eo ambony hazo. Ary hihinana ny nofonao ireo vorona." 20 Ary tamin'ny andro fahatelo ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Farao. Nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy. "Nasandrany" ny lohan'ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lohan'ilay lehiben'ny mpanao mofo, teo amin'ireo mpanompony. 21 Naveriny tamin'ny andraikiny ny lehiben'ny mpitondra kapoaka, ary nametraka ilay kapoaka teo an-tanan'i Farao indray izy. 22 Fa nahantony kosa ny lehiben'ny mpanao mofo, arak'izay nolazain'i Josefa tamin'izy ireo. 23 Kanefa tsy mbola nahatsiaro an'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka, fa adinony aza ny momba azy.
Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara.
Olona izay nitondra ny zava-pisotron'ny mpanjaka izany.
Olona izay manao ny sakafon'ny mpanjaka izany.
"nahatezitra ny tompon'izy ireo"
"ny mpitarika ny mpitondra kapoaka sy ny mpitarika ny mpanao mofo"
"Nataony tao amin'ilay fonja izay mifanatrika avy eo amin'ny tranon'ilay lehiben'ny mpiambina izy ireo"
Tsy ilay mpanjaka mivantana no nanao azy ireo tao am-ponja fa nandidy izy ny hanagadraina azy ireo any am-ponja" na "Nandidy ny mpiambiny hanagadra"
Afaka atao izany hoe: DH: "izany ihany ilay fonja nametrahan'i Potifara an'i Josefa"
"Nijanona fotoana maharitra tany am-ponja izy ireo"
"Tonga tao amin'ny mpitondra kapoaka sy ny mpanao mofo i Josefa"
Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa gaga tamin'izay hitany i Josefa. DH: "Gaga izy raha nahita an'izy ireo nalahelo"
Ilazana ny mpitondra kapoaka sy ny mpanao mofo izany.
"Niaraka taminy tao am-ponja tao an-tranon'ny tompony." "Ny tompony" dia ilazana ny tompon'i Josefa, ilay lehiben'ny mpiambina.
Nampiasa izany fanontaniana izany i Josefa mba hanaovana fanindriana. DH: "An'Andriamanitra ny fanomezana dika!" na "Andriamanitra no afaka milaza ny hevitr'ireo nofy!" (UDB)
Nanotany azy ireo hanambara aminy ny nofin'izy ireo i Josefa. DH: "Mba lazao ahy ireo nofy, azafady"
Ilay olona manan-danja indrindra izay mitondra ny zava-pisotro ho an'ny mpanjaka.Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40:1.
"Tao anatin'ny nofiko, dia nahita voaloboka teo anoloako aho!" Nampiasa ny teny hoe "indro" eto ilay mpitondra kapoaka mba hanehoana fa talanjona tamin'izay hitany tao anaty nofy izy ary koa hanaitra an'i Josefa hihaino tsara.
"masaka am-potony ireo sampam-boaloboka"
Ny heviny dia hoe manala ny ranon'izany. DH: "namihy ny ranon'izany"
"Izao no hevitry ny nofy"
"Ny sampam-boaloboka telo dia maneho ny hateloana
"Ao anatin'ny telo andro manaraka"
Resahan'i Josefa ny famotsoran'i Farao ny mpitondra kapoaka avy ao am-ponja toy ny hoe mampisandratra ny lohany izany. DH: "hamotsotra anao amin'ny figadrana"
"hamerina ny asanao indray"
Eto dia afaka manampy ny teny izay tsy ampy. DH: "toy izay nataonao fony"
"ary aoka re mba ho tsara fanahy amiko"
Nasain'i Josefa niteny tamin'i Farao mahakasika azy ilay mpitondra kapoaka mba hamotsoran'i Farao azy ao am-pigadrana. DH: "Ampio aho mba hivoaka ato amin'ity fonja ity amin'ny filazanao amin'i Farao ny mahakasika ahy"
Afaka atao izany hoe: DH: "Eny tokoa noentin'ny olona aho" na "Eny tokoa noentin'ireo Ismaelita aho"
"ny tany izay nonenan'ireo Hebreo"
"ary koa raha eto Egypta aho, dia tsy nanao zavatra izay tokony hahamendrika ny hanaovana am-ponja ahy" (UDB)
Ilazana ny olona izay manao ny sakafon'ny mpanjaka izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40:1.
"Izaho dia nahazo nofy, ary tao amin'ny nofiko,"
"nisy harona telo nisy mofo teo an-dohako!" Nampiasa ny teny hoe "indro" ilay mpanao mofo mba hanehoana fa talanjona tamin'izay hitany tao anaty nofy izy ary koa hanaitra an'i Josefa hihaino tsara.
"sakafo masaka ho an'i Farao"
"Toy izao no dikan'ny nofy"
"Ny harona telo dia maneho ny telo andro"
Nampiasa ny andian-teny "hanalana (...) ny lohanao" i Josefa raha niresaka tamin'ilay mpitondra kapoaka ao amin'ny 40:12. Eto kosa dia manana hevitra hafa izany. Ireo mety ho heviny dia 1) "hanandratra ny lohanao ary hametraka tady manodidina ny vozonao" na 2) hanandratra ny lohanao ary hanapaka izany hiala."
Eto ny nofo dia ilazana ny hoditra manify amin'ny vatan'ny olona.
"Rehefa afaka izany, tamin'ny andro fahatelo." Ny teny "ary" dia nampiasaina eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara.
"Nanao lanonana (...) izy
Olona izay mitarika sy mikarakara ary nitondra ny zava-pisotron'ny mpanjaka izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40:1.
Ilazana ny olona izay mpitarika ny fanaovana ny sakafon'ny mpanjaka izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40:1.
Ny "andraikitry" ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka dia entina ilazana ny asa amin'ny maha lehiben'ny mpitondra kapoaka azy. DH: "Naveriny tamin'ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka ny asany"
Tsy i Farao mivantana no nanahantona ilay mpanao mofo, fa nandidy ny hanantonana azy izy. DH: "Fa kosa nanome didy mba hanantonana ilay mpanao mofo" na "Fa kosa nandidy ireo mpiambiny hanantona ilay lehiben'ny mpanao mofo"
Ilazana ny nandikan'i Josefa ny nofin'izy ireo izany. DH: "arak'izay nolazain'i Josefa hitranga raha nandika ny nofin'ireo lehilahy roa izy"
1 Ary rehefa afaka roa taona naninjitra dia nanana nofy iray Farao. Raha nitsangana teo amin'i Neily izy. 2 Dia indro, nisy omby vavy fito nivoaka avy tao amin'i Neily, mampitsiriritra sy matavy, ary niraoka vilona teo amin'ny sisiny ireo. 3 Indro, nisy omby vavy fito hafa nivoaka avy tao amin'i Neily taorian'ireo, tsy maha te-ho tia sy mahia. Nankeo akaikin'ireo omby vavy hafa teo amoron'ny renirano ireo. 4 Avy eo ireo omby vavy marary sy mahia nihinana ireo omby vavy mampitsiriritra sy matavy fito. Avy eo nifoha i Farao. 5 Natory indray izy ary nanofy fanindroany. Indro, nisy salohim-bary fito nitsiry avy tamin'ny taho iray, vokatra be sy tsara. 6 Indro, nisy salohim-bary fito hafa, manify ary main'ny rivotra antsinanana, nitsimoka taorian'ireo. 7 Nitelina ireo salohy fito vokatra be sy tsara ireo salohy manify. Taitra Farao, ary, indro, nofy izany. 8 Ary tonga ny maraina ka nihorohoro ny fanahiny. Naniraka ka nampiantso ireo mpahay ody sy olon-kendrin'i Egypta rehetra izy. Nolazain'i Farao tamin'izy ireo ny nofiny, fa tsy nisy iray tamin'izy ireo afaka nanazava izany tamin'i Farao. 9 Ary ny lehiben'ny mpitondra kapoaka niteny tamin'i Farao hoe: "Izao aho vao miheritreritra ireo fahotako. 10 Tezitra tamin'ireo mpanompony i Farao, ka nandefa ahy tany an-tranomaizina tao an-tranon'ny kapitenin'ny mpiambina, izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo. 11 Niara-nanofy izahay tamin'io alina io, izaho sy izy. Samy nanana ny nofiny araka ny dikany avy izahay. 12 Nisy tovolahy Hebreo niaraka taminay tao, mpanompon'ilay kapitenin'ny mpiambina. Nolazainay azy ary nandika ny hevitr'ireo nofinay taminay izy. Nandika tamin'ny tsirairay taminay araka ny nofiny avy izy. 13 Ary raha nandika ny hevitr'ireo nofinay taminay izy, dia niseho izany. Naverin'i Farao tamin'ny toerana nisy ahy aho, fa ilay iray hafa nahantony." 14 Avy eo Farao naniraka ka nampiantso an'i Josefa. Navoakan'izy ireo faingana tao an-tranomaizina izy. Niaratra izy, nisolo akanjo, ary nankany amin'i Farao. 15 Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Nanofy aho, fa tsy misy afaka manazava izany. Fa nandre momba anao aho, fa rehefa mahare nofy ianao dia afaka manazava izany. 16 Namaly an'i Farao i Josefa, nanao hoe: "Tsy ato amiko izany. Andriamanitra no hamaly an'i Farao araka izay sitrany." 17 Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Tao amin'ny nofiko, dia indro, nitsangana teo amin'ny sisin'i Neily aho. 18 Indro, nisy omby vavy fito nivoaka avy tao amin'i Neily, matavy sy mampitsiriritra, ary niraoka bozaka teo amin'ny sisiny ireo. 19 Indro, nisy omby vavy fito hafa nivoaka tao aorian'izy ireo, tsy maha-te-ho tia, ary mahia. Tsy mbola nahitana faharatsiana tahaka izany mihitsy aho nanerana ny tanin'i Egypta manontolo. 20 Ireo mahia sy omby vavy ratsy no nihinana ireo omby vavy matavy voalohany. 21 Rehefa lanin'izy ireo izany, dia tsy nisy nahafantatra akory hoe nohanin'izy ireo izany, satria mbola ratsy toy ny teo aloha ihany izy ireo. Avy eo dia nifoha aho. 22 Niverina nanofy indray aho, ary, indro, nisy salohim-bary fito nitsimoka tamin'ny taho iray, vokatra be ary tsara. 23 Indro, nisy salohim-bary fito hafa, malazo, manify sy main'ny rivotra atsinanana, nitsimoka taorian'ireo. 24 Nitelina ireo salohim-bary fito tsara ireo salohim-bary manify. Nolazaiko tamin'ireo mpahay ody izany, fa tsy nisy tamin'izy ireo afaka nanazava izany tamiko." 25 Hoy Josefa tamin'i Farao hoe: "Mitovy ireo nofin'i Farao ireo. Izay ho ataon'Andriamanitra, dia nambarany tamin'i Farao. 26 Ireo omby vavy fito tsara dia ny fito taona, ary ny salohim-bary fito dia ny fito taona. Mitovy ireo nofy ireo. 27 Ireo omby vavy fito mahia sy tsy maha-te-hotia izay tonga taorian'izy ireo dia taona fito, ary ireo salohim-bary manify fito main'ny rivotra atsinanana ihany koa dia taona fiton'ny mosary. 28 Izany no zavatra izay nolazaiko tamin'i Farao. Izay ho ataon'Andriamanitra dia nambarany tamin'i Farao. 29 Indro, fito taonan'ny fitobahana no ho tonga manerana ny tanin'i Egypta rehetra. 30 Fito taonan'ny mosary no ho avy manaraka izany, ary ny fitobahana rehetra dia ho adino ao amin'ny tany Egypta, ary handringana ny tany ny mosary. 31 Ho adino ao amin'ilay faritra ny fitobahana nohon'ny mosary izay manaraka izany, dia hasiaka tokoa. 32 Naverimberina tamin'i Farao izany nofy izany satria izany tranga izany dia efa novolavolain'Andriamanitra, ary hanao izany tsy ho ela Andriamanitra. 33 Ary aoka Farao hitady olona manan-tsaina sy hendry, ka hametraka azy amin'ny tany Egypta. 34 Aoka Farao hanao izao: aoka izy hanendry mpiandraikitra ny tany. Aoka izy ireo haka ny ampahadimin'ny vokatr'i Egypta amin'ny taona fiton'ny fitobahana. 35 Aoka izy ireo hanangona ny sakafo rehetra amin'io taona tsara izay ho avy io ka hitahiry ny vokatra eo ambany fahefan'i Farao, mba ho sakafo ho an'ireo mponina. Tokony arovan'izy ireo izany. 36 Ny sakafo dia ho famatsiana ho an'ny tany amin'ny fito taonan'ny mosary izay ho ao amin'ny tany Egypta. Amin'izany fomba izany ny tany dia tsy ho ringan'ny mosary. 37 Tsara teo imason'i Farao sy teo imason'ireo mpanompony rehetra izany hevitra izany. 38 Hoy Farao tamin'ireo mpanompony rehetra hoe: "Afaka mahita olona tahaka izany ve isika, izay ao aminy ny Fanahin'Andriamanitra?" 39 Ka hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Satria Andriamanitra nampiseho anao izany rehetra izany, dia tsy misy hafa misaina lalina sy hendry tahaka anao. 40 Hitantana ny tranoko ianao, ary araka ny teninao no hanapahana ny vahoakako rehetra. Eo amin'ny seza fiandrianana ihany aho no ho ambony noho ianao. 41 Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Indro, apetrako aminao ny tanin'i Egypta rehetra." 42 Nalan'i Farao tamin'ny tanany ny peratra misy ny tombo-kaseny ary natsofony tamin'ny tanan'i Josefa. Nampiankanjoany lamba rongony manify izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony. 43 Nampitaingenana teo amin'ny kalesy faharoa izay azy izy. Nihiakiaka nanoloana azy ny olona hoe: "Mandohaliha." Nataon'i Farao nanapaka teo amin'ny tanin'i Egypta rehetra izy. 44 Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Izaho no Farao, ary ankoatra anao, dia tsy misy olona hanandratra ny tanany na ny tongony amin'ny tanin'i Egypta rehetra. 45 Niantso ny anaran'i Josefa hoe: "Zafenata Panea" i Farao. Nomeny ho vadiny i Asenata, ilay zanaka vavin'i Potifera mpisoron'i Ona. Namakivaky ny tanin'i Egypta rehetra i Josefa. 46 Telopolo taona Josefa raha nitsangana teo anatrehan'i Farao izy, ilay mpanjakan'i Egypta. Niala teo amin'ny fanatrehan'i Farao izy, ary namakivaky ny tanin'i Egypta rehetra. 47 Nandritry ny fito taona zina dia namokatra be ny tany. 48 Nangoniny avokoa ny sakafo rehetra nandritry ny fito taona izay tao amin'ny tany Egypta ary napetrany tany amin'ireo tanàn-dehibe. Napetrany isaky ny tanàna ny sakafo izay avy amin'ny saha manodidina izany. 49 Nangonin'i Josefa tahaka ny fasiky ny ranomasina ny voa, betsaka loatra ka nitsahatra nanisa izy, satria tsy hita isa izany. 50 Tao alohan'ny nahatongavan'ny taonan'ny mosary, dia nanana zanaka roa lahy, tamin'i Asenata, zanaka vavin'i Potifera mpisorona tao Ona, i Josefa. 51 Nantsoin'i Josefa hoe Manase ny lahimatoany, satria hoy izy hoe: "Andriamanitra nampanadino ahy ny olana rehetra sy ny ankohonan'ny raiko rehetra." 52 Nantsoiny hoe Efraima ny zanaka lahiny faharoa, satria hoy izy hoe: "Andriamanitra nahamaro ahy teo amin'ny tanin'ny fahoriako." 53 Andalam-pifaranana ireo fito taonan'ny fahabetsahana tao amin'ny tany Egypta. 54 Nanomboka ny fito taonan'ny mosary, araka ny nolazain'i Josefa. Nisy mosary teo amin'ny tany rehetra, kanefa nisy sakafo kosa teo amin'ny tanin'i Egypta rehetra. 55 Rehefa tao anatin'ny mosary ny tany rehetra tao Egypta, dia niantsoantso sakafo tamin'i Farao ny vahoaka. Hoy Farao tamin'ireo Egyptiana rehetra hoe: "Mankanesa any amin'i Josefa ary ataovy izay lazainy anareo." 56 Nanerana ny faritriny ny tany iray manontolo ny mosary. Nanokatra ny trano fitehirizana rehetra Josefa ary nivarotra tamin'ireo Egyptiana. Mafy tokoa ny mosary tao amin'ny tanin'i Egypta. 57 Tonga tao Egypta avokoa ireo firenena rehetra mba hividy vary amin'i Josefa, satria efa mafy ny mosary tany amin'ny tany rehetra.
Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto.
Roa taona tao aorian'ny nandikan'i Josefa ny nofinin'ireo mpitondra kapoaka sy mpanao mofon'i Farao, izay tany am-ponja niaraka tamin'i Josefa.
Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto.
"nitsangana i Farao"
"Tampoka teo." Ny teny hoe "indro" eto dia hanehoana ny fahatalanjonan'i Farao tamin'izay hitany.
"velom-bolo sy matavy"
"nihinam-bilona teo aminy hai-maitso teo amin'ny sisin'ny ony"
bozaka avo sy manify izay maniry eny amin'ny toerana mando
Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa mbola taitra tamin'izay hitany ihany Farao.
"marary sy mahia"
"eo akaikin'ny renirano" na "sisin'ny ony." Tany somary avo eo amin'ny sisin'ny renirano.
"farofy sy kaozatina."Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:1.
"salama sy tsara fahana." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:1.
"taitra"
Ny teny "fanindroany" dia roa amin'ny filaharan'isa. DH: "indray"
Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa mbola taitra tamin'izay hitany ihany Farao.
Ny salohy dia ampahany amin'ireo zavatra maniry izay misy ny voa izay maniry.
"nipoitra avy eo amin'ny tahony." Ny taho dia ny faritra matevina na lava amin'ny zava-maniry.
"teo amin'ny tahony iray ary mandrobona sy tsara tarehy"
Afaka atao izany hoe: DH: "izay nahia sy may nohon'ny rivotra mafana avy any antsinanana"
Rivotra mitsoka avy any antsinana avy any amin'ny tany efitra. Ny hafanan'ny rivotra avy any antsinana dia matetika tena mandrava.
"nitombo" na "nitombo"
Ny teny hoe "-mbary" dia takatra avy hatrany. DH: "ireo salohim-bary manify"
"nihinana." Azon'i Farao nofy fa ireo akotry izay marary dia nihinana ny akotry tsara toy ny olona mihinana sakafo.
"mandrobona sy tsara tarehy" Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:4.
"nifoha"
Ny teny "indro" eto dia maneho fa talanjona ny amin'izay hitany i Farao"
"nanofy izy"
Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto.
Eto ny teny hoe "fanahy" dia ilazana ny zavatra ao anaty na ny fihetseham-po. DH: "nihorohoro ny tao anatiny" na "nihorohoro izy"
Azo avy hatrany amin'izany fa naniraka mpanompo izy. DH: "Nirahiny ireo mpanompony mba hiantso" na "Naniraka ireo mpanompony hampiantso izy"
Ireo mpanjaka taloha sy ireo mpanampaka dia nampiasa ny mpahay ody sy olon-kendry ho mpanolotsaina.
Olona manan-danja indrindra izay nitondra ny zava-pisotron'ny mpanjaka izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40:1.
Ny teny hoe "Izao" eto dia nampiasaina ho fanindrina. Ny "fahotany" dia ny amin'ny tokony nilazany aloha tamin'i Farao ny zavatra izay niseho kanefa tsy nataony. DH: "izao vao tsapako fa nanadino niteny zavatra taminao aho"
Manaja an'i Farao ilay mpitondra kapoaka satria izany no fomba rehefa miresaka amin'ny olona manana fahefana noho ny tena. DH: "Ianao, Farao, dia tezitra mafy"
Eto ny "...ny" dia ilazana an'i Farao. Eto ny "mpanompo..." dia ilazana ilay mpitondra kapoaka sy ny lehibehin'ny mpanao mofo. DH: "taminay, mpanomponao"
"nanao ahy sy ilay lehiben'ny mpanao mofo tao am-ponja izay nisy ilay kapitenin'ny mpiambina niandraikitra." Eto ny "trano" dia ilazana ny fonja.
Ilay miaramila izay miandraikitra ny fiambenana ny lapa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40: 1.
Olona manan-danja indrindra izay manao ny sakafon'ny mpanjaka izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40:1.
"indray alina dia samy nanofy izahay roa lahy"
Eto ny "izahay" dia ilazana ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo.
"samy manana ny heviny avy ireo nofinay"
Nanohy niresaka tamin'i Farao ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka.
"Tao am-ponja nisy (...) niaraka tamiko sy ilay lehiben'ny mpanao mofo"
Ilay miaramila izay miandraikitra ny fiambenana ny lapa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40: 1.
"nolazainay azy ireo nofinay ary nanazava ny dikan'izany taminay izy"
Eto ny mpisolo tena tampisaka "...ny" dia ilazana ny tsirairay avy dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofo, fa tsy manondro ilay mpandika ny nofy. DH: "Nohazavainy izay zavatra hitranga aminay roa lahy avy"
Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto.
"izay nohazavainy mahakasika ireo nofy dia nitranga tokoa taty aoriana kely"
Eto ilay mpitondra kapoaka dia manonona ny anaran'i Farao hiresahana aminy ho marikin'ny fanajana. DH: "Navelanao hiverina amin'ny asako aho"
"ilay lehiben'ny mpanao mofo"
Eto ny mpisolo tena tampisaka "...ny" dia ilazana an'i Farao. Ary manondro ireo miaramila izay nobaikon'i Farao hanantona ilay lehiben'ny mpanao mofo. DH: "nandidy ireo miaramilanao ianao hanantona"
Tonga dia mazava avy amin'izany fa naniraka ireo mpanompony i Farao. DH: "naniraka ireo mpanompony haka an'i Josefa i Farao"
"nivoaka ny fonja" na "nivoaka ny figadrana"
Fomba fanao mahazatra ny miharatra loha sy manala volombava rehefa miomana andeha ho any amin'i Farao.
Eto ny "nankany" dia azo atao hoe "nandeha." DH: "nandeha teo anoloan'i Farao"
"tsy misy olona afaka manazava ny heviny"
"afaka manazava ny heviny ianao"
"Tsy izaho ilay afaka manazava ny hevitr'izany"
"Hanome valin-teny mahafapo an'i Farao Andriamanitra"
Mampiasa ny teny hoe "indro" Farao mba hisarihana ny fifantohan'i Josefa amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina.
Tany somary avo eo amin'ny sisin'ny reniranon'i Neily izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:1. DH: "eo anilan'i Neily"
Mampiasa ny teny hoe "indro" Farao mba hisarihana ny fifantohan'i Josefa amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina.
"salama sy tsara fahana." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:1.
"nihinam-bilona teo aminy hai-maitso teo amin'ny sisin'ny ony"
Mampiasa ny teny hoe "indro" Farao mba hisarihana ny fifantohan'i Josefa amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina.
"farofy sy kaozatina."Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:1.
Ny anarana "faharatsiana" dia afaka adika koa hoe "ratsy". DH: "omby tena ratsy" na "omby tsy maha-te-hijery"
"tsara fahana." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:1.
Afaka atao izany hoe: DH: "tsy nisy olona afaka hilaza fa nihinana ireo omby vavy matavy ireo omby vavy mahia"
Nanohy nitantara tamin'i Josefa ny nofiny i Farao.
Fanomboan'ny nofin'i Farao manaraka izay tao aorian'ny nifohazany ka niverenany natory izany. DH: "Avy eo dia nanofy indray aho"
Mampiasa ny teny hoe "indro" Farao mba hisarihana ny fifantohan'i Josefa amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina.
"nipoitra avy eo amin'ny tahony." Ny taho dia ny faritra matevina na lava amin'ny zava-maniry. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:4.
Mampiasa ny teny hoe "indro" Farao mba hisarihana ny fifantohan'i Josefa amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina.
Afaka atao izany hoe: DH: "izay nalazo, nanify, ary maina nohon'ny hafanan'ny rivotra avy any atsinanana"
"simba" na "maina"
Rivotra avy any atsinanana mitsoka avy any an-tany efitra. Ny hafanan'ny rivotra avy any atsinanana matetika manimba ny voly tokoa.
salohim-bary manify. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:7. DH: "Ireo salohim-bary manify"
"naniry" na "nitombo"
"nihinana." Azon'i Farao nofy fa ireo akotry izay marary dia nihinana ny akotry tsara toy ny olona mihinana sakafo. Jereo ny nandikanao izany andian-teny mitovy izany ao amin'ny 41:7.
"tsy nisy na dia iray aza afaka" na "tsy nisy afaka (...) tamin'izy ireo"
Toa milaza izany fa mitovy ny dikan'ireo. DH: "'ireo nofy ireo dia manana hevitra iray ihany"
Eto i Josefa dia manonona ny anaran'i Farao hiresahana aminy ho marikin'ny fanajana. Afaka atao izany hoe: DH: " Maneho aminao ny zavatra izay ho hataony tsy ho ela Andriamanitra"
Ny teny hoe "vary" dia tonga dia mazava avy amin'izany. : DH: "salohim-bary fito"
Nanohy nandika ny nofin'i Farao i Josefa
"omby mahia sy osa." Jereo ny nandikanao izany andian-teny mitovy izany ao amin'ny 41:1.
Afaka atao izany hoe: DH: "salohim-bary manify fito maina nohon'ny rivotra atsinanana"
Eto i Josefa dia manonona ny anaran'i Farao hiresahana aminy ho marikin'ny fanajana. DH: "Hitranga ireo zavatra ireo araka izay efa nolazaiko anao ... nambara taminao, Farao"
"nampahalalany"
Nampiasaina izany mba hanindrina izay ho lazain'i Josefa manaraka. DH: "Henoy tsara izay lazaiko"
Miresaka ireo taonan'ny fitobahana toy ny fotoana izay mandeha ary tonga amin'ny toerana iray izany. DH: "hisy fito taona izay ho maro be tokoa ny sakafo manerana ny tanin'ny Egypta" (UDB)
Nanohy nandika ny nofin'i Farao i Josefa
Miresaka ireo fito taonan'ny mosary toy ny fotoana izay mandeha ary tonga amin'ny toerana iray izany. DH: "Avy eo dia hisy fito taona izay tsy hisy afa-tsy sakafo kely"
Milaza hevitra iray amin'ny fomba roa i Josefa mba hanindrina ny lanjan'izany.
Eto ny "tany" dia ilazana ny olona. Afaka atao izany hoe: DH: "ireo olon'i Egypta dia hanadino ny taona izay nambitobaka ny sakafo"
Eto ny "tany" dia ilazana ny nofon-tany, ny olona, ary ilay firenena iray manontolo.
Miresaka ny mosary toy ny zavatra izay mandeha ary manaraka zavatra iray hafa. DH: "satria ny fotoan'ny mosary dia hitranga rehefa afaka izany"
Afaka atao izany hoe: DH: "Nanome anao izany nofy roa izany Andriamanitra hanehoana aminao fa hanao izany zavatra izany tokoa izy"
Nanohy niresaka tamin'i Josefa i Farao
Tsy midika hoe "amin'izao fotoana izao izany," fa nampiasaina mba hisarihana ny teboka manan-danja izay manaraka eo.
Eto i Josefa dia manonona ny anaran'i Farao hiresahana aminy ho marikin'ny fanajana. Afaka atao izany hoe: DH: "Ianao, Farao, dia tokony hijery"
Ny andian-teny "hametraka azy" dia midika ho manome fahefana ny olona iray. DH: "hanome azy fahefana manerana ny fanjakan'i Egypta" na "mametraka azy hisahana ny fanjakan'i Egypta"
Eto ny "tany" dia ilazana ny olona sy ny zavatra rehetra ao Egypta.
Ny teny hoe "ampahadimy" dia milaza fizarana. DH: "Aoka ho zarain'izy ireo dimy mitovy tsara ireo vokatr'i Egypta, avy eo dia haka iray amin'ireo fizarana"
"mandritra ny fito taona izay hitobahan'ny sakafo"
Nanohy nanome toro-hevitra an'i Farao i Josefa
"Avelao hanangona ireo tompon'andraikitra"
Miresaka ireo taona toy ny zavatra izay mandeha ary tonga amin'ny toerana iray izany. DH: "mandritra ny taona tsara izay ho avy tsy ho ela"
Ny andian-teny "ambany fahefan'i Farao" dia midika hoe i Farao no manome ny fahefana. DH: "mampiasa ny fahefan'i Farao mba hanangonana ny vokatra"
Manangona ny vokatra mandritra ny fotoana vitsivitsy izay mbola misy sakafo kely. DH: "Ireo tompon'andraikitra dia tokony hanajanona miaramila any hiambina ny vokatra"
Eto ny "tany" dia ilazana ny olona. DH: "Ho an'ny olona izany sakafo izany"
Eto ny "tany" dia ilazana ny olona. Afaka atao izany hoe: DH: "Amin'izany fomba izany no tsy hahamosarena ny olona mandritry ny mosary"
Eto ny "maso" dia ilazana ny hevitra na ny fisainan'ny olona. DH: "Hitan'i Farao sy ireo mpanompony fa hevitra tsara izany"
Ny dikany dia hoe ireo manam-pahefanan'i Farao.
"olona tahaka an'i Josefa"
"izay ao aminy ny hitoeran'ny fanahin'Andriamanitra"
"tsy misy olona hafa afaka mandray fanapahan-kevitra." Jereo ny nandikanao ny "manan-tsaina" ao amin'ny 41:33.
Eto ny "trano" dia ilazana ny lapan'i Farao sy ny olona ao an-dapa. Ny andian-teny "hitantana" dia midika fa i Josefa no hanana ny fahefana amin'ny. DH: "Hisahana ny tsirairay ao an-dapako ianao"
Eto ny "teny" dia ilazana ny baiko na izay voalaza. Afaka atao izany hoe: DH: "hanapaka ireo oloko ianao ary hanantanteraka ny baikonao izy ireo"
Eto ny " seza fiandrianana" dia ilazana ny fanapahan'i Farao amin'ny maha mpanjaka azy. DH: "Amin'ny andraikitro amin'ny maha mpanjaka ahy ihany"
Ny teny hoe "indro" dia manampy hanindrina izay holazain'i Farao manaraka. DH: "Indro, efa nataoko (...) ianao"
Ny andian-teny "apetrako aminao" dia midika hoe manome fahefana anao. Eto ny "tany" dia ilazana ny olona. DH: "Apetrako hisahana ny olona rehetra eto Egypta ianao"
Ireo fihetsika rehetra ireo no mampiseho fa nanome ny fahefana an'i Josefa hanao izay rehetra nokasainy i Farao.
Ny peratra izay misy ny tombo-kasen'ny Farao. Manome ny fahefana sy ny vola izay ilaina hanatanterahan'i Josefa ny drafiny.
"Rongony fotsy" dia zavatra malandy, lamba mafy izay vita avy amin'ny voninkazo mamony manga.
Izany fihetsika izany dia manazava amin'ny olona fa i Josefa no hany faharoa manaraka an'i Farao.
"mandohaliha ary omeo voninahitra i Josefa." Ny mandohalika sy ny mitsaoka dia fanomezam-boninahitra sy famatara-panajana.
Ny andian-teny "nanao anao teo" = Nataon (...) nanapaka teo dia midika hoe nomeny fahefana. Eto ny "tany" dia ilazana ny olona. Jereo ny nandikanao izany andian-teny mitovy izany ao amin'ny 41:39. DH: "Ataoko misahana ny olona rehetra manerana an'i Egypta ianao"
Manasongadina ny fahefany i Farao. DH: "Amin'ny maha Farao ahy, no handidiko fa ankoatra anao"
Eto ny "tanana" sy ny "tongotra" dia ilazana ny fihetsikin'ny olona. DH: "tsy misy olona eto Egypta afaka hanao zavatra raha tsy mahazo alalana avy aminao" na "ny olona rehetra eto Egypta dia tsy mainsty maka alalana avy aminao mialohan'ny hanaovan'izy ireo zavatra"
Eto ny "olona" dia ilazana ny olona amin'ny ankapobeny, fa tsy hoe lehilahy na vehivavy.
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Zafenata Panea dia midika hoe 'mpilaza tsiambaratelo.'''
Ireo mpisorona no ambony sy mana-kaja indrindra. Izany fanambadiana izany no famantarana ny toeram-boninahitra sy fananan'ny Josefa haja.
"Asenata" no anaran'ilay vehivavy izay nomen'i Farao an'i Josefa ho vadiny.
"Potifera" no anaran'ilay rain'i Asenata.
Ona dia anaran-tanàna, izay antsoina koa hoe Heliopolisy, dia "ilay Tananàn'ny Masoandro" sy ilay ivon'ny fanompoana an'i Ra ilay andriamanitrin'ny masoandro.
Nandeha manerana ny tany Egypta i Josefa mba hanara-maso ny fihomanana amin'ny fihavian'ny fahamainana.
"30 taona"
Eto ny "nitsangana teo anatrehany" dia ilazana ny nanombohan'i Josefa nanompo an'i Farao. DH: "raha nanomboka nanompo an'i Farao izy"
Nanao fanadihadiana mahakasika ilay firenena i Josefa raha niomana ny amin'ny fanantanterahana ireo drafiny.
"Nandritra ny taona fito izay tsara"
"namokatra voa be dia be ny tany"
Eto ny mpisolo tena tampisaka "...ny" dia ilazana ny mpanompon'i Josefa. DH: "Nandidy ny mpanompony hanangona ... dia napetrak'izy ieo"
Mampitaha ny voa amin'ny fasiky ny ranomasina izany hanasongadinana ny habetsahany. DH: "Ireo voa izay nangonin'i Josefa dia betsaka toy ny fasi-dranomasina tokoa "
Eto ny "Josefa" sy ny "izy" dia ilazana ireo mpanompon'i Josefa. DH: "Nampanangonin'i Josefa ireo mpanompony ... nitsahatra (...) izy ireo"
Miresaka ireo taona toy ny zavatra izay mandeha ary tonga amin'ny toerana iray izany. DH: "mialohan'ny nanombohan'ireo fito taonan'ny mosary"
"Asenata" dia anaram-behivavy izay nomen'i Farao an'i Josefa ho vadiny. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:44.
"Potifera" no anaran'ilay rain'i Asenata. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:44.
Ona dia anaran-tanàna, izay antsoina koa hoe Heliopolisy, dia "ilay Tananàn'ny Masoandro" sy ilay ivon'ny fanompoana an'i Ra ilay andriamanitrin'ny masoandro. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:44.
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Manase dia midika hoe 'mahatonga fanadinoana.'''
Ilazana an'i Jakoba rain'i Josefa sy ireo havany izany.
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Efraima dia midika hoe 'mihamaroa' na 'manana zanaka maro."'
Eto ny "mihamaro" dia midika ho ambinina amin'ny fananana zanaka.
Ny anarana hoe "fahoriana" dia afaka atao hoe "niharitra ny mafy aho." DH: "tany amin'ny tany izay niharetako ny mafy" (UDB)
Manerana ireo firenena rehetra any an-dafin'i Egypta, tafiditra ao anatin'izany ny taninin'i Kanana.
Midika izany fa nisy ny sakafo satria i Josefa nandidy ny olony mba hanangona ny sakafo nandritra ireo taona fito tsara.
Eto ny "tany" dia ilazana ireo olona. DH: "Rehefa mosarena avokoa ireo Egyptiana"
Ny teny hoe "faritra = faritry" dia ilazana ny velaran'ny tany. DH: "Niparitaka nanerana ny tany ny mosary"
Eto ny hoe "Josefa" dia ilazana ireo mpanompon'i Josefa. DH: "Nasain'i Josoa nosokafan'ireo mpanompony ireo trano fitehirizana ary nivarotra ireo vokatra tamin'ireo Egyptiana izy"
Eto ny "firenena" dia ilazana ny olona avy amin'ireo faritra rehetra. DH: "Nandeha nankany Egypta ny olona avy amin'ireo faritra manodidina rehetra"
"manerana ny tany rehetra." Mety ireo mpandraharaha samy hafa sy ireo firenena izay mpiara-miombona antoka ao amin'ny fandraharana ara-barotrin'ny Egyptiana izay niharan'ny hain-tany no tonga tao Egypta mba haka ireo vokatra.
1 Ary fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Egypta. Niteny tamin'ireo zanany lahy izy hoe: "Nahoana no mifampijery ianareo?" 2 Hoy izy hoe: "Indro, reko fa misy vary any Egypta. Midìna any ary mividiana any ho antsika mba hahavelona antsika fa tsy ho faty. 3 Nandeha nidina ireo rahalahin'i Josefa folo mba hividy vary any Egypta. 4 Fa Benjamina, rahalahin'i Josefa, tsy nalefan'i Jakoba niaraka tamin'ireo rahalahiny, satria natahotra izy sao hisy loza mety hanjo azy. 5 Tonga ireo zanaka lahin'Israely mba hividy niaraka tamin'ireo izay tonga, fa nisy mosary tany amin'ny tany Kanàna. Ary Josefa no mpanapaka amin'ilay tany. 6 Izy ihany no nivarotra ho an'ireo vahoaky ny tany rehetra. Tonga ary nampiankohoka ny tavan'izy ireo tamin'ny tany teo aminy ireo rahalahin'i Josefa. 7 Nahita ireo rahalahiny i Josefa ary nahalala azy ireo, nefa nanova ny endriny tamin'izy ireo izy ary niteny mafy tamin'izy ireo. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Avy aiza ianareo?" Hoy izy ireo hoe: "Avy any amin'ny tany Kanàna mba hividy hanina." 8 Fantatr'i Josefa ireo rahalahiny, fa izy ireo tsy nahalala azy. 9 Dia tsaroan'i Josefa ilay nofy azony nahakasika azy ireo, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mpitsikilo ianareo! Tonga mba hizaha ireo faritra tsy mbola voaaro eto amin'ny tany ianareo." 10 Hoy izy ireo taminy hoe: "Tsia, tompoko. Tonga mba hividy hanina ireto mpanomponao. 11 Zanaky ny lehilahy iray izahay rehetra. Lehilahy marina izahay. Tsy mpitsikilo ireto mpanomponao." 12 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Tsia, tonga mba hizaha ireo faritra mbola tsy voaaro eto amin'ny tany ianareo." 13 Hoy izy ireo hoe: "Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray any amin'ny tany Kanàna. Indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny, ary ny rahalahy iray dia efa maty." 14 Hoy Josefa tamin'izy ireo hoe: "Izao no nolazaiko anareo; mpitsikilo ianareo. 15 Amin'izao no hitsapana anareo. Raha velona koa Farao, dia tsy hiala eto ianareo, raha tsy tonga eto ny faralahy aminareo. 16 Iraho ny iray aminareo ary aoka izy haka ny rahalahinareo. Ary ianareo hijanona ao am-ponja, mba hahafahana mitsapa ny teninareo, raha misy fahamarinana ao aminareo." 17 Nalefany tany am-ponja izy rehetra nandritry ny telo andro. 18 Ny andro fahatelo dia hoy Josefa tamin'izy ireo hoe: "Izao no ataovy mba ho velona, fa matahotra an'Andriamanitra aho. 19 Raha olo-marina ianareo, aoka ny iray amin'ireo rahalahinareo tsy hiala ao amin'ny fonja, fa mandehana ianareo, mivimbìna vary ho amin'ny mosary amin'ny tranonareo. 20 Ento mankaty amiko ny faralahy aminareo hanamarinana ny teninareo sy tsy hahafaty anareo." Ary nataon'izy ireo izany. 21 Nifampiresaka izy ireo hoe: "Meloka marina tokoa isika nohon'ny amin'ny rahalahintsika izay hitantsika ny fahorian'ny fanahiny raha niangavy antsika izy ary isika tsy nihaino azy. Koa noho izany no nahatonga izao fahoriana izao tamintsika." 22 Hoy Robena namaly azy ireo hoe: "Tsy efa nilaza taminareo ve aho hoe: 'Aza manota amin'ilay zazalahy,' nefa tsy nihaino ahy ianareo? Indro, izao takiana amintsika ny ràny." 23 Tsy fantatr'izy ireo fa nahafantatra ny fitenin'izy ireo i Josefa, satria nisy mpandika teny teo anelanelan'izy ireo. 24 Nihodina niala tamin'izy ireo izy ka nitomany. Niverina nankeo amin'izy ireo indray izy ary niteny tamin'izy ireo. Nalainy teo amin'izy ireo i Simeona ary nafatony teo imason'izy ireo. 25 Avy eo nibaiko ny mpanompony i Josefa mba hameno vary ny kitapon'ireo rahalahiny, ary mba hamerina ny volan'ny lehilahy tsirairay tao amin'ny lasakany, ary hanome azy ireo vatsy ho amin'ny dia. Natao ho azy ireo izany. 26 Nameno vary ny ampondrany ireo mpirahalahy ary dia niainga tany. 27 Raha nanokatra ny lasakany ny iray tamin'izy ireo mba hamahana ny ampondrany teo amin'ny toerana nandriany, dia nahita ny volany izy. Indro, teo ambavan'ny lasakany izany. 28 Hoy izy tamin'ireo rahalahiny hoe: "Naverina ny volako. Jereo; ao anaty lasakako izany." Nihontan'ny tahotra ny fon'izy ireo sady nifampitodika am-pangovitana, nanao hoe: "Inona re ity nataon'Andriamanitra tamintsika?" 29 Nandeha tany amin'i Jakoba izy ireo, ny rain'izy ireo tany amin'ny tany kanàna ary nilaza taminy izay rehetra niseho tamin'izy ireo. Hoy izy ireo hoe: 30 "Ilay lehilahy, tompon'ny tany, dia niteny mahery anay ary nihevitra fa mpitsikilo tany amin'ilay tany izahay. 31 Hoy izahay taminy hoe: 'Olo-marina izahay. Ary tsy mpitsikilo akory. 32 Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay, zanaky ny rainay. Efa maty ny iray, ary ny faralahy dia miaraka amin'ny rainay any amin'ny tany Kanàna ankehitriny.' 33 Ilay lehilahy, tompon'ny tany, niteny taminay hoe: 'Izao no hahalalako fa olo-marina ianareo. Ajanony eto amiko ny iray amin'ireo rahalahinareo, mitondrà vary ho amin'ny mosary any amin'ny tranonareo, ary zory ny lalanareo. 34 Ento eto amiko ny faralahy aminareo. Dia ho fantatro fa tsy mpitsikilo ianareo, fa lehilahy marina. Dia havotsotro ho anareo ny rahalahinareo, dia hividy eto amin'ny tany ianareo.'" 35 Ary rehefa nanafoana ny tao an-dasakany izy ireo, no indro, ny fonosam-bolafotsin'ny lehilahy tsirairay avy dia tao anatin'ny lasakany. Nony hitan'izy ireo sy ny rain'izy ireo ny fonosam-bolafotsiny, dia natahotra izy ireo. 36 Hoy Jakoba rain'izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Efa nanaisotra ireo zanako tamiko ianareo. Josefa dia efa maty, i Simeona lasa, ary dia ho entinareo lavitra koa i Benjamina. Manohitra ahy avokoa ireo zavatra rehetra ireo." 37 Niresaka tamin-drainy i Robena, nanao hoe: "Azonao vonoina ireo zanako roa lahy raha toa tsy mitondra an'i Benjamina miverina aminao aho. Apetraho eo an-tanako izy, dia hitondra azy aminao indray aho." 38 Hoy Jakoba hoe: "Tsy handeha hidina hiaraka aminareo izany ny zanako lahy. Fa efa maty ny rahalahiny ary izy irery sisa. Raha misy loza tonga aminy eny amin'ny lalana izay alehanareo, dia hitondra amin-kalahelo ny volo-fotsiko midina any amin'ny Fiainan-tsy hita ianareo."
Ny teny hoe "ary" dia manamarika ny fizaran-tantara vaovao.
Mampiasa izany fanontaniana izany i Jakoba hibedesana ireo zanany lahy ny amin'ny tsy nanaovan'izy ireo n'inona n'inona amin'ireo vokatra. DH: "Aza mipetra-potsiny eto!"
Mahazatra ny miresaka ny mandeha avy any Kanana mankany Egypta ho toy ny "midina" na "ambany."
Eto ny "Egypta" dia ilazana ireo olona izay mivarotra ny vokatra. DH: "any amin'ireo izay mivarotra ny vokatra any Egypta"
Iray ihany ny ray sy renin'i Benjamina sy Josefa. Tsy foin'i Jakoba ny handefa an'i Josefa izay hany zanaka lahin'i Rahely sisa.
Ny teny hoe "tonga" dia azo adika ihany koa hoe "nandeha." Ny teny hoe "vokatra" sy ny "Egypta" ihany koa dia azo avy hatrany. DH: "Nandeha ireo zanaka lahin'Israely mba hividy vokatra niaraka tamin'ireo olona hafa izay nankany Egypta"
"Ary" dia manamarika ny fiovana avy amin'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana mahakasika an'i Josefa.
Eto ny "tany" dia ilazana an'i Egypta. DH: "manerana an'i Egypta"
Eto ny "tany" dia ilazana an'i Egypta sy ireo firenena hafa manodidina. DH: "ny olon'ireo firenena rehetra izay tonga hividy ny voa na ny vary"
Eto ny "tonga" dia azo adika hoe "lasa."
Fomba fanehoana fanajana izany.
"Rehefa nahita ireo rahalahiny sy nahalala azy ireo i Josefa"
"nanao toy ny hoe tsy rahalahin'izy ireo izy" na "tsy navelany ho fantatr'izy ireo hoe rahalahany izy"
Tsy fanontaniana fampisainana izany na dia fantatr'i efa Josefa aza ny valiny. Tena safidiny mihitsy ny hitazona ny momba azy tsy ho fantatr'ireto rahalahiny.
Ny mpitsikilo dia olona manao fikarohana miafina mahakasika ny firenena iray mba hanampiana ny firenena iray hafa.
Ny tena dikan'izanydia afaka atao mazava. DH: "tonga mba hizaha izay tany tsy ambenanay ianareo mba hahafahanareo manafika anay"
Fomba fanehoana fanajana olona hanomezam-boninahitra azy izany.
Manao ny tenany hoe "ireto mpanomponao" ireo rahalahiny." Izany dia fomba mihaja hilazana ny olona izay manana fahefana ambony. DH: "Izahay, mpanomponao,dia" na "Izahay dia"
"Niteny tamin'ireo rahalahany i Josefa"
Ny tena dikan'izanydia afaka atao mazava. DH: "tonga mba hizaha izay tany tsy ambenanay ianareo mba hahafahanareo manafika anay"
"rahalahy 12"
"Mihainoa anay, fa ilay faralahy." Ny teny hoe "indro" dia nampiasaina hanindrina izay holazain'izy ireo manaraka.
"amin'izao fotoana iresahantsika izao ny faralahy aminay dia miaraka amin'ny rainay"
"Arak'izay efa nambarako, fa mpitsikilo ianareo." Jereo ny nandikanao ny "mpitsikilo" ao amin'ny 42:9.
Afaka atao izany hoe: DH: "Toy izao no fomba hahafantarako anareo"
Izany andian-teny izany dia milaza fihanianana mankadiry. DH: "Mianiana aho fa raha mbola velona koa i Farao"
"mifidiana iray aminareo handeha haka ny rahalahinareo"
"ny sisa aminareo hijanona ao am-ponja"
Eto ny "teny" dia ilazana izay nolazainy. Afaka atao izany hoe: DH: "mba hahafantarako raha tena milaza ny marina tokoa ianareo"
"tany am-pigadrana" (UDB)
Ny teny hoe "fahatelo" dia telo amin'ny filaharan'isa. DH: "ao aorian'ny roa andro"
Afaka atao izany hoe: DH: "Raha manao izay lazaiko ianareo, dia avelako ho velona"
Ilazana ny fanajana lalina an'Andriamanitra sy fanehoana fanajana amin'ny fankatoavana azy izany.
Afaka atao izany hoe: DH: "ajanony ato am-ponja ny iray amin'ireo rahalahinao"
Eto ny "ianareo" dia ilazana ireo rahalahy rehetra izay nijanona ao am-ponja. DH: "fa ny sasany aminareo kosa"
Eto ny "trano" dia ilazana an'ireo fianakaviana. DH: "mitondra vary ho any an-tranonareo mba hanampiana ireo fianakavianareo mandritra ny mosary"
Eto ny "teny" dia ilazana izay nolazaina. Afaka atao izany hoe: DH: "mba ho fantatro fa marina izay lazainao"
Midika izany fa hovonoin'ireo miaramilan'i Josefa ireo rahalahy raha fantatra tokoa fa mpitsikilo izy ireo.
Ny teny hoe "fanahy" dia ilazana an'i Josefa. DH: "satria hitantsika tokoa ny fahorian'i Josefa" na "satria hitantsika tokoa fa nijaly i Josefa"
Ny hoe "fahoriana" dia azo atao koa hoe "mijaly". DH: "Izany no antony mahatonga antsika mijaly tahaka izao"
Mampiasa izany fanontaniana izany i Robena mba hibedesana ireo rahalahiny. DH: "nilaza taminareo ny tsy hampahory ny zazalahy aho, kanefa tsy nihaino ianareo!"
Eto ny "izao" dia tsy midika hoe "ankehitriny," kanefa ny "izao" sy ny "indro" dia nampiasaina hisarihana ny fifantohana amin'ny teboka manan-danja manaraka.
Eto ny "rà" dia ilazana ny fahafatesan'i Josefa. Nihevitra ireo rahalahan'i Josefa fa maty izy. Ny andian-teny "takiana amintsika" dia midika hoe tsy maintsy voasazy amin'izay nataon'izy ireo. DH: "mivaly amintsika izay nataontsika tamin'ny nahafatesany" na "mijaly nohon'ny namonoantsika azy isika"
Fiovana teo amin'ny fizotry ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana fototra izay manazava ny antony niheveran'ireo rahalahany fa i Josefa dia tsy hahatakatra azy ireo.
Ny "mpandika teny" dia olona izay mandika izay nolazain'ny olona iray amin'ny fiteny hafa. Nasian'i Josefa mpandika teny hanelanelana azy ireo mba hanaovany toy ny hoe tsy miteny ny fitenin'izy ireo izy.
Hita avy amin'izany fa nitomany i Josefa satria nihetsim-po izy tao aorian'ny nandrenesany izay nolazain'ireo rahalahany.
Mbola niresaka tamin'ny fiteny hafa ihany i Josefa ary nisy mpandika teny izay niresaka tamin'ireo rahalahiny.
Eto ny "maso" dia ilazana ny fahitana. DH: "namatotra azy teo anatrehany" na "namatotra azy raha nijery izy ireo"
"hanome azy ireo izay sakafo ilain'izy ireo"
Afaka atao izany hoe: DH: "Nataon'ireo mpanompo izay rehetra nandidin'i Josefa"
"Raha nijanona teo amin'ny toerana iray izy ireo ny alina, ny iray tamin'ireo rahalahy dia nanokatra ny lasakany hahazoana sakafo ho an'ny ampondrany. Indro nisy vola tao anatin'ilay lasaka!"
Ny teny hoe "indro" dia manaitra antsika hihaino tsara ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka.
Afaka atao izany hoe: DH: "Nisy namerina tamiko ny volako"
"Jereo ny lasakako!"
Ny tahotra dia resahina toy ny mihontana na difotra ny fo. Eto ny "fo" dia ilazana ny herim-po. : DH: "Natahotra mafy tokoa izy ireo"
"ilay tompon'ny tany Egypta"
"nasiaka fiteny"
Ny mpitsikilo dia olona manao fikarohana miafina mahakasika ny firenena iray mba hanampiana ny firenena iray hafa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 42:9.
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Nilaza taminy izahay fa olona marina fa tsy mpitsikilo. Niteny izahay fa roa ambin'ny folo mirahalahy, zanakin'ny rainay, ary ny iray amin'ireo rahalahinay dia efa maty ... tany Kanàna"
Azo avy hatrany ny teny hoe "rahalahy". DH: "ny iray amin'ireo rahalahy dia efa maty"
Azo avy hatrany ny teny hoe "rahalahy". DH: "ny faralahy aminay dia efa maty"
"ilay tompon'ny tany Egypta"
Eto ny "trano" dia ilazana ny "fianakaviana". DH: "mitondrà vary hanampiana ny fianakavianareo mandritra ny mosary"
"modia" na "mandehana"
"ary dia havelako hividy sy hivarotra eto amin'ny tany ianareo"
Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga manan-danja ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto.
"amin'ny fahatairan'izy ireo." Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa talanjona noho izay hitany ireo rahalahy.
"Efa nanala ireo zanako tamiko ianareo" na "nanao izay namoizako ireo zanako roa ianareo"
"mandratra ahy avokoa ireo zavatra rehetra ireo"
Fangatahan'i Robena ny hitondra an'i Benjamina miaraka aminy sy hikarakara azy mandritra ny dia. DH: "Ataovy ho andraikitro izy" na "Aoka izaho no hisahana azy"
Efa mahazatra ny mampiasa ny andian-teny "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta. DH: "i Benjamina zanako lahy, dia tsy hiaraka aminareo mankany Egypta"
Eto ny "ianareo" dia ilazana ireo zokiny amin'ireo zanaka lahin'i Jakoba.
Afaka hazavaina ny tena hevitr'izany. DH: " Fa i Rahely, vadiko, dia tsy nanana afa-tsy zanaka roa. I Josefa efa maty ary i Benjamina ihany no sisa velona"
"rehefa mandeha sy miverina mankany Egypta ianareo" na "rehefa lasa ianareo." Eto ny "lalana" dia ilazana ny dia.
Ny "mitondra midina ...mankany amin'ny Fiainan-tsy hita" dia fomba ilazana fa hanao izay hahafaty azy sy handehanany any amin'ny Fiainan-tsy hita. Mampiasa ny teny hoe "midina" izy satria ninoana fa ny Fiainan-tsy hita dia any ambanin'ny tany. DH: "dia hanao izay, hahafatin'ny alahelo, ity lahy antitra ity ianareo"
Ilazana an'i Jakoba sy hanindrina fa efa antitra izy. DH: "ity izaho, efa lahy antitra"
1 Nisy mosary nahery vaika teo amin'ilay tany. 2 Ary izao no nitranga rehefa lanin'izy ireo ny vary nentin'izy ireo avy tany Egypta, hoy ny rainy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana indray; dia mividiana sakafo ho antsika." 3 Niteny azy Joda hoe: "Nampitandrina mafy anay ralehilahy hoe: 'Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka amin'ny rahalahinareo.' 4 Raha alefanao miaraka aminay ny ralahinay, dia andeha hidina sy hividy sakafo ho anao izahay. 5 Nefa raha tsy alefanao miaraka aminay izy, dia tsy handeha hidina izahay. Satria ralehilahy niteny taminay hoe: 'Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka amin'ny rahalahinareo.'" 6 Hoy Israely hoe: "Nahoana ianareo no nampidi-doza ahy tamin'ny filazana ilay lehilahy fa manana rahalahy hafa ianareo?" Hoy izy ireo hoe: "Nanontany ny antsipirihany momba anay sy ny fianakavianay ralehilahy. 7 Hoy izy hoe: "Mbola velona ve rainareo? Mbola manana rahalahy hafa ve ianareo?' Dia novalianay araka ireo fanontaniany ireo izy. Ahoana no hahafantaranay fa hiteny izy hoe: "Ento midina ny rahalahinareo?'" 8 Hoy Joda tamin'i Israely rainy hoe: "Alefaso miaraka amiko ny zazalahy. Hiainga ka handeha izahay mba ho velona fa tsy ho faty isika, dia izahay sy ianao sy ireo zanakay ihany koa. 9 Ho antoka ho azy aho. Hotazominao ho tompon'andraikitra aho. Raha tsy entiko miverina eo anoloanareo izy, dia aoka ho zakaiko mandrakizay ny tsiny. 10 Fa raha tsy tara izahay, dia tena efa niverina teto fanindroany izahay." 11 Hoy Israely rainy tamin'izy ireo hoe: "Raha izany, dia ataovy izao. Ataovy ao amin'ny kitaponao ny sasany amin'ireo vokatry ny tany tsara indrindra. Midina ary mitondrà fanomezana ho an-dralehilahy: balsama sy tantely, zava-manitra sy miora, voanjo sy amandy. 12 Ataovy avo roa heny ny vola eo an-tananareo. Ny vola izay naverina tao amin'ny vavan'ny lasakanareo, dia ento miverina eny an-tananareo indray. Sao mantsy mba hadisoana ihany izany. 13 Ento ihany koa ny rahalahinareo. Mitsangàna ary mandehana indray any amin-dralehilahy. 14 Andriamanitra Tsitoha anie hanome famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hanafahany ilay rahalahinareo hafa sy Benjamina ho aminao. Raha misaona ireo zanako aho, dia misaona." 15 Nalain'ireo lehilahy niaraka tamin'i Benjamina ilay fanomezana, ary nitondra vola avo roa heny teny an-tanan'izy ireo. Lasa izy ireo ary niverina nidina tany Egypta ary niseho teo anoloan'i Josefa. 16 Rehefa nahita an'i Bejamina niaraka tamin'izy ireo i Josefa, dia hoy izy tamin'ilay tompon'andraikitra mpampandroso tao an-tranony hoe: "Hampandrosoy ao an-trano ireo lehilahy, mamonoa biby iray ary karakarao izany, fa hiaraka hisako amiko izy ireo rehefa mitatao vovonana." 17 Nataon'ireo mpanompo izay nolazain'i Josefa. Noentiny tao an-tranon'i Josefa ireo lehilahy. 18 Natahotra ireo lehilahy satria nentina tao an-tranon'i Josefa izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Noho ilay vola naverina tao anaty lasakantsika tamin'ny voalohany nampidirana antsika tato, mba hahafahany manararotra antsika. Mety hisambotra antsika sy hanandevo antsika izy ary haka ireo ampondrantsika." 19 Nanatona an'ilay mpanompon'i Josefa izy ireo, ary niresaka taminy teo am-baravarana, nanao hoe: 20 "Tompoko, tonga nidina taty izahay tamin'ny voalohany mba hividy sakafo. 21 Ary nony tonga teo amin'ny toeram-pitsaharana izahay, ka nanokatra ireo lasakanay, dia indro, samy tao ambavan'ny lasakan'ireo lehilahy ny volany, tsisy nanimbinana ny volanay. Naverinay ary ety am-pelan-tananay izany. 22 Nitondra vola nidina hafa ihany koa izahay hividianana sakafo. Tsy fantatray izay namerina ny volanay tao anaty lasakanay." 23 Hoy ilay mpanompo hoe: "Fiadanana anie ho anareo, aza matahotra. Ny Andriamanitrareo sy ny Andriamanitry ny rainareo no nametraka ny volanareo tao anaty lasakanareo. Efa noraisiko ny volanareo."Dia nentin'ilay mpanompo teo amin'i Simeona izy ireo. 24 Nampandroson'ilay mpanompo tao an-tranon'i Josefa ireo lehilahy. Nomeny rano izy ireo, ka nanasa ny tongony izy ireo. Ary nomeny sakafo ny ampondran'izy ireo. 25 Dia nanomana ireo fanomezana amin'ny fiavian'i Josefa amin'ny mitatao vovonana izy ireo, satria ren'izy ireo fa hisakafo ao iz. 26 Nohon'ny tonga tao an-tranony i Josefa, dia nentin' izy ireo tao an-trano ny fanomezana teny an-tanan'izy ireo, ary niankohoka tamin'ny tany teo anoloany izy ireo. 27 Nanontany azy ireo momban'ny fahasalamany izy ireo izy, ka nanao hoe: "Salama ve ny rainareo, ilay lehilahy antitra noresahinareo iny? Mbola velona ve izy?" 28 Hoy izy ireo hoe: "Salama ny mpanomponao izay rainay. Mbola velona izy. Niondrika sy nihankohoka izy ireo. 29 Raha nanopy ny masony izy dia naita an'i Bejamina rahalahiny, izay zanaky ny reniny, ary hoy izy hoe: "Inty ve ilay faralahinareo izay noresahinareo tamiko?" Dia hoy izy hoe: "Andriamanitra anie hitahy anao, ry zanako." 30 Nivoaka haingana tao an'efitra i Josefa, satria nientanentana mafy noho ireo rahalahiny izy. Nitady toerana hitomaniana izy. Niditra tao an'efitrany izy ary nitomany tao. 31 Nosasany ny tavany dia nivoka izy. Nanindry fo izy, niteny hoe: "Arosoy ny sakafo." 32 Nomen'ireo mpanompo an'i Josefa ny anjarany sy ny anjaran'ireo rahalahiny. Niara-nihinana taminy ireo Egyptiana tao satria ny Egyptiana tsy mahazo mihinana mofo miaraka amin'ny Hebreo, satria zavatra maharikoriko eo amin'ireo Egyptiana izany. 33 Nipetraka teo anoloany ireo rahalahy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny zandriny indrindra araka ny hatanorany. Talanjona izy ireo lehilahy. 34 Nomen'i Josefa anjara tamin'ny sakafo teo anoloany izy ireo. Nefa ny anjaran'i Benjamina dia indimy mihoatra noho ny an'ireo rahalahiny. Nisotro izy ireo ary faly niaraka taminy.
Ny teny hoe "Kanana" dia takatra avy hatrany. Izany andinindiny izany dia afaka atao mazava. DH: "Nahery vaika loatra ny mosary tany amin'ny tany Kanana"
Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny fanombohan'ny fizaran-tantara vaovao. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto.
"rehefa lanin'i Jakoba sy ireo havany"
"noentin'ireo zanaka lahin'i Jakoba" (ireo zokiny)
Eto ny "antsika" dia ilazana an'i Jakoba, ireo zanany lahy, ary ny fianakaviana sisa.
"niteny tamin'i Jakoba rainy i Joda hoe"
Ilazana an'i Josefa izany, kanefa ireo rahalahiny dia tsy mahafantatra hoe Josefa izy. Nanondro azy tamin'ny hoe: "ralehilahy" na "ilay lehilahy, ilay tompon'ny tany" toy ny ao amin'ny 42:29.
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Nampitandrina mafy anay fa tsy hahita ny tavany izahay mandra-pitondranay ny zandrinay faralahy miaraka aminay"
"tena matotra tokoa raha nampitandrina anay, nanao hoe"
Nampiasa izany andian-teny izany indroa i Joda ao amin'ny 43:3-5 mba hanindrina amin'ny rainy fa tsy afaka hiverina mankany Egypta izy ireo raha tsy miaraka amin'i Benjamina. Ny andian-teny "ny tavako" dia ilazana an-dralehilahy, izay tsy iza fa i Josefa. DH: "Tsy ahita ahy ianareo"
I Benjamina no lazain'i Joda amin'izany, faralahin'i Rahely naterany tao alohan'ny nahafatesany.
Efa mahazatra ny mampiasa ny andian-teny "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta.
"Nahoana no mahatonga adin-tsaina ho ahy ianareo"
"Fanontaniana maro no napetrak'ilay lehilahy"
Eto ny "anay" dia ilazana ireo rahalahy izay nandeha nankany Egypta sy niresaka tamin'ilay "lehilahy."
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Nanontany anay mivantana izy raha mbola velona ny rahalahinay ary koa raha mbola manana rahalahy hafa izahay."
"Namaly ireo fanontaniana izay napetrany taminay izahay"
Mampiasa izany fanontaniana izany ireto zanany mba hanindrina fa tsy fantatr'izy ireo izay ho hasain'ilay lehilahy ho atao. Afaka adika ho fanambarana izany fanontaniana fampisainana izany. DH: "Tsy fantatray izay ho lazainy ... midina!"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "hiteny aminay ny hitondranay ny rahalahinay midina mankany Egypta izy"
Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta.
Ny andian-teny " ho velona (...) isika" sy ny "tsy ho faty" dia midika zavatra iray ihany. Te hanasongadina i Joda fa mila mividy sakafo any Egypta izy ireo mba ho velona. DH: "Handeha ho any Egypta izahay ary haka vary ho an'ny fianakaviana iray manontolo mba ho velona"
Eto ny "izahay" dia ilazana an'ireo rahalahy izay handeha mankany Egypta.
Eto ny "isika" dia ilazana ireo rahalahin'i Josefa, Israely, ary ny fianakaviana manontolo.
Eto ny "izahay" dia ilazana ireo rahalahin'i Josefa.
Eto ny "ianao" dia ilazana an'i Israely.
Eto ny "...kay" dia ilazana an'ireo rahalahin'i Josefa. Ilazana ny ankizy kely izay mety ho fatin'ny mosary.
Ny anarana hoe "antoka" dia afaka atao koa hoe "mampanantena." DH: "Mampanantena ny hitondra azy miverina"
Ny fomba hitazoman'i Jakoba an'i Joda ho tompon'andraikitra dia afaka atao mazava. DH: "Hampamalinao izay nitranga amin'i Benjamina aho"
Miresaka ny "tsiny" toy ny zavatra izay entin'ny olona izany. DH: "afaka manome tsiny ahy ianao"
Manoritsoritra ny zavatra izay tokony nitranga teo aloha nefa tsy niseho i Joda. Mibedy ny rainy i Joda nohon'ny niandrasany ela ka tsy nandefasany ireo zanany tany Egypta mba haka sakafo.
"efa tafaverina teto fanindroany izahay"
"Raha tsy manan-tsafidy afa-tsy izay isika, dia izao atao"
Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta.
menaka manim-pofona nampiasaina hitsaboana na hiarovana hoditra. Jereo ny nandikanao izany teny izany ao amin'ny 37:25. DH: "fanafody"
"hanitra." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 37:25.
voan-dratsakazo kely
hazo manim-pofona
Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manontolo fa tsy ny faritry ny tanana ihany. DH: "Ataovy avo roa heny ny vola entinareo"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manontolo fa tsy ny faritry ny tanana ihany. Ny andian-teny "izay naverina" dia afaka atao hoe : DH: "ento miverina mankany Egypta ny vola izay nataon'ny olona tao anaty lasakanareo"
"Ento ihany koa i Benjamina"
"miverena"
Ny anarana hoe "famindram-po" dia afaka atao koa hoe "fahatsoram-po". DH: "Andriamanitra Tsitoha anie hanao izay hahatso-po an-dralehilahy aminareo"
"Simeona"
"Raha mamoy ireo zanako aho, dia mamoy ireo zanako." Midika izany fa fantatr'i Jakoba izay tsy maintsy ho ekeny amin'izay mety hitranga amin'ireo zanany.
Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manontolo fa tsy ny faritry ny tanana ihany. DH: "nitondra (...) izy ireo"
Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta.
"Bejamina niaraka tamin'ireo rahalahin'i Josefa"
Ny "tompon'andraikitra mpampandroso" dia olona miandraikitra ny fikarakarana ny raharaha ao tokantranon'i Josefa.
Eto ny "mitondra" dia azo adika ihany koa hoe "naka."
"tao anatin'ny an-tranon'i Josefa"
"Natahotra ireo rahalahin'i Josefa"
Afaka atao izany hoe: DH: "nandeha nankany an-tranon'i Josefa izy ireo" na "no entin'ilay tompon'andraikitra mpampandroso tao an-tranon'i Josefa izy ireo"
Afaka atao izany hoe: DH: "ilay tompon'andraikitra mpampandroso no nampidirana antsika tato an-trano nohon'ny vola izay nisy namerina tao anaty lasakantsika"
Afaka adika ho fehezanteny vaovao izany. DH: "Miandry ny fotoana mety hahafahany manasoketa antsika mba hahafahany managatra antsika"
Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta.
Manohy miresaka amin'ilay tompon'andraikitra mpampandroso ao amin'ilay trano.
Nampiasaina izany teny izany eto hanamarihana ny tranga manan-danja ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto.
"raha tonga teo amin'ny toerana izay hijanonay mandritra ny alina"
Ny teny "indro" eto dia maneho fa talanjona tamin'izay hitany ireto rahalahin'i Josefa.
"ny tsirairay taminay dia samy nahita ny vola feno tao anatin'ny lasakany"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "Nitondra ny vola niverina niaraka aminay izahay"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manontolo fa tsy ny faritry ny tanana ihany. DH: "Nitondra vola hafa hividianana sakafo ihany koa izahay"
Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta.
Ny anarana hoe "Fiadanana" dia azo atao hoe "mitonia". DH: "Mitonia" (UDB) na "mitonia ianareo"
Tsy miresaka Andriamanitra samy hafa ilay tompon'andraikitra mpampandroso fa Andriamanitra iray ihany. DH: "Ilay Andriamanitra, ilay Andriamanitra izay tompon'ny rainareo" (UDB)
Fomba fanao hanapiana ireo mpandeha avy lavitra hamelombelona azy ireo ao aorian'ny fandehanany tongotra alavitra izany. Ny tena dikan'izany fanambarana izany dia afaka atao mazava.
"manome sakafo" dia mamahana sakafo maina eo anilan'ireo biby
Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manontolo fa tsy ny faritry ny tanana ihany. DH: "Nitondra ireo fanomezana izay no entin'izy ireo ireo rahalahin'i Josefa"
Fomba fanehoana fanajana sy fanomezam-boninahitra izany.
Milaza ny rain'izy ireo ho "mpanomponao" izy ireo mba haneho fanajana. DH: "Ny rainay izay manompo anao"
Manana hevitra mitovy ihany ireo teny ireo. Niondrika sy niankohoka teo antrehan-dralehilahy izy ireo mba haneho fanajana. DH: "nihankohoka teo anatrehany izy ireo"
Ny heviny dia "niandrandra izy."
Afaka adika ho fehezan-teny vaovao izany. DH: "Ny zanaky ny reniny. Niteny i Josefa hoe"
Ireo mety ho heviny dia 1)Mametraka izany fanontaniana izany i Josefa fa hanamarinany fa Benjamina tokoa izany Lehilahy izany, na 2) fanontaniana fampisainana izany. DH: "Inty tokoa ve ilay faralahinareo ... tamiko."
Fomba firesaka maneho ny finamanana misy eo amin'ny lehilahy iray sy ny lehilahy iray hafa izay ambany kokoa izany. DH: "tovolahy" (UDB)
"Nivoaka malaky tao an'efitra"
Ny andian-teny "nientanentana mafy" dia ilazana ny fihetseham-po mafy na ny fahatsapana rehefa misy zavatra manan-danja mitranga. DH: "fa nanana fihetseham-po mafy nohon'ny fangoraham-po ho an'ireo rahalahiny izy" na "satria nanana fihetseham-po mafy nohon'ny fitiavana ireo rahalahiny izy"
Afaka atao mazava ny amin'izay noresahan'i Josefa. DH: "ary niteny tamin'ireo mpanompony" (UDB)
Ny heviny dia mizara ny sakafo ho an'ny olona mba hinanan'izy ireo.
Midika izany fa i Josefa, ireo rahalahiny, ary ireo Egyptiana sasany dia nihinana teo amin'ny toerana samy hafa tao anatin'ny efitrano iray. DH: "Ireo mpanompo dia nanolotra sakafo an'i Josefa sy ireo rahalahiny ary ireo Egyptiana, izay niara-ninana taminy"
Azo antoka tokoa fa ireo manam-boninahitra Egyptiana no niara-ninana tamin'i Josefa, kanefa izy ireo dia nisaran-toerana taminy sy ireo rahalahy Hebreo.
Afaka adika ho fehezan-teny vaovao izany: "Nanao izany izy ireo satria nihevitra ireo Egyptiana fa zavatra mahamenatra ny mihinana miaraka amin'ireo Hebreo"
Eto ny "mofo" dia ilazana ny sakafo amin'ny ankapobeny.
Azo tsoahina avy amin'izany fa nandamina ny toerana izay nipetrahan'ireo rahalahy i Josefa. Afaka ataonao mazava tsara izany fampahafantarana izany. DH: "Nipetraka teo ampitan'ilay lehilahy ireo rahalahy, araka izay nandaminana ny toerana"
Ny "lahimatoa" sy ny "faralahy" dia nampiasaina niaraka ilazana fa ireo rahalahiny dia nipetraka araka ny taonan'izy ireo avy.
"Talanjona ilay lehilahy raha nahafantatra izany"
Ny andian-teny "indimy mihoatra " dia afaka atao amin'ny ankapobeny kokoa. DH: "Kanefa i Benjamina dia nahazo ny anjara izay betsaka kokoa noho ireo izay azon'ireo rahalahiny"
1 Nandidy ny mpikarakara ny tranony Josefa, nanao hoe: "Fenoy sakafo ny lasakan'ireo lehilahy ireo, araka izay zakan'izy ireo, ary apetraho ao anatin'ny lasakany ny volan'ireo lehilahy rehetra. 2 Apetraho ao amin'ny vava lasakan'ny zandriny indrindra, ny kapoakako, ilay kapoaka volafotsy, sy ny volany tamin'ny vary." Ary nataon'ilay mpikarakara izay nolazain'i Josefa. 3 Niposaka ny maraina, ary nalefa ireo lehilahy ireo, izy ireo sy ny borikiny. 4 Rehefa nivoaka ny tanàna izy ireo nefa mbola tsy lasa lavitra akory, dia nilaza tamin'ny mpikarakarany i Josefa hoe: "Mifohaza, manaraha ireo lehilahy ireo, ary rehefa tratranao izy ireo, dia lazao izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no mamaly ratsy ny soa? 5 Moa ve tsy ilay kapoaka isotroan'ny tompoko ity, sy ilay kapoaka izay hampiasainy amin'ny faminaniany? Nanao ratsy ianareo, izany zavatra izay nataonareo izany.'" 6 Nahatratra azy ireo ilay mpiandraikitra ny fampandrosoana ary niteny ireo teny ireo. 7 Izy ireo nilaza taminy hoe: "Nahoana no miteny toy ireo ny tompoko? Sanatria amin'ireo mpanomponao no hanaovan'izy ireo zavatra toy izany. 8 Indro, ilay vola izay hitanay tao amin'ny vavan'ny lasakanay, nentinay niverina aty aminao indray avy amin'ny tany Kanana. Ahoana no afahanay mangalatra volafotsy na volamena ao amin'ny tranon'ny tomponao? 9 Izay ahitana an'izany amin'ireo mpanomponao, aoka izy ho faty, ary izahay ihany koa dia ho andevon'ny tompoko." 10 Ilay mpikarakara niteny hoe: "Aoka ary ho araka ny teninareo izany. Ilay iray izay hahitana ilay kaopy dia ho andevoko, ary ianareo hafa kosa dia ho afaka." 11 Avy eo dia nandeha haingana ny lehilahy tsirairay ka nametraka ny lasakany tamin'ny tany, ary samy nanokatra ny lasakany avy. 12 Nitady ilay tompon'andraikitra amin'ny fampandrosoana. Natombony tamin'ny lehibe indrindra ary nofaranany tamin'ny tanora indrindra, ka hita tao amin'ny lasakan'i Benjamina ilay kapoaka. 13 Ary nandriatra ny akanjony izy ireo. Samy nitaingina ny ampondrany ny lehilahy tsirairay ary niverina tany amin'ilay tanàna. 14 Nandeha tany amin'ny tranon'i Josefa i Joda sy ireo rahalahiny. Mbola tany izy, ka niankohoka teo anatrehany tamin'ny tany izy ireo. 15 Hoy Josefa tamin'izy ireo hoe: "Inona izao nataonareo izao? Moa ve tsy fantatrareo fa ny lehilahy tahaka ahy dia manao faminaniana?" 16 Nilaza Joda hoe: "Inona no afaka lazainay amin'ny tompoko? Inona no azonay lazaina? Ahoana no afahanay manamarina ny tenanay? Hitan'Andriamanitra ny helok'ireo mpanomponao. Indro, andevon'ny tompoko izahay, izahay sy izy dia nahitana ny kapoaka teny an-tanany." 17 Hoy Josefa hoe: "Sanatria amiko ny tsy maintsy hanao izany. Ilay lehilahy izay nahitana ny kapoaka teny an-tanany, dia ho andevoko, fa ianareo hafa kosa, hiakatra am-piadanana ho any amin'ny rainareo." 18 Avy eo dia nanatona akaiky azy i Joda ka nilaza hoe: "Ry tompoko, avelao re hiresaka teny iray eo an-tsofin'ny tompoko ny mpanomponao, ary aoka ny fahatezeranao hirehitra amin'ny mpanomponao, fa ianao dia tahaka an'i Farao. 19 Nanontany ireo mpanompony ny tompoko, niteny hoe: 'Moa ve ianao manana ray na rahalahy iray?' 20 Hoy izahay tamin'ny tomponay hoe: 'Manana ray izahay, lehilahy antitra, ary zanaka iray tamin'ny fahanterany. Fa ny rahalahiny dia efa maty, ary izy irery no tavela tamin'ny reniny, ary ny rainy tia azy.' 21 Avy eo nilaza tamin'ireo mpanomponao ianao hoe: 'Ento midina eto amiko izy mba hafahako mahita azy.' 22 Tao aorian'izany, dia nilaza tamin'ny tompoko izahay hoe: "Tsy afaka hamela ny rainy ilay zazalahy. Fa raha mamela ny rainy izy dia ho faty ny rainy.' 23 Ary ianao nilaza tamin'ireo mpanomponao hoe: 'Raha tsy midina miaraka aminao ny rahalahinao zandriny indrindra, dia tsy hahita ny tavako intsony ianao.' 24 Ary indro tonga izany rehefa niakatra nankany amin'ny raiko mpanomponao izahay, nolazainay taminy ireo tenin'ny tompoko. 25 Hoy ny rainay hoe: "Mandehana indray, mividiana sakafo ho antsika.' 26 Avy eo dia nilaza izahay hoe: 'Tsy afaka midina izahay. Raha miaraka aminay ny rahalahinay zandriny indrindra, dia hidina izahay, satria tsy afaka ny hahita ny tavan'ilay lehilahy izahay raha tsy miaraka amin'ny rahalahinay zandriny indrindra.' 27 Ny mpanomponao ry tompoko no niteny taminay hoe: 'Fantatrareo fa niteraka roa lahy tamiko ny vadiko. 28 Ny iray tamin'izy ireo dia niala tamiko ary hoy aho hoe: "Azo antoka fa voaviravira izy, ary tsy nahita azy aho hatramin'izao." 29 Izao raha maka ilay iray aty amiko koa ianareo, ka loza no tonga eo aminy, dia hampihintsana ny volon-dohako amin'ny alahelo mankany amin'ny Fiainan-tsy hita ianareo.' 30 Ary, noho izany, rehefa tonga any amin'ilay mpanomponao aho, ary tsy miaraka aminay ilay zazalahy, satria mifamatotra amin'ny ain'ilay zazalahy ny ainy, 31 fa ho tonga izany, rehefa hitany fa tsy miaraka aminay ilay zazalahy, dia ho faty izy. Ireo mpanomponao dia hampihintsana ny volo fotsin'ny raiko mpanomponao miaraka amin'ny alahelo mankany amin'ny Fiainan-tsy hita. 32 Satria ny mpanomponao dia efa lasa antoka ho an'ilay zazalahy amin'ny raiko ary nilaza hoe: "Raha tsy mitondra azy eo anatrehanao aho, dia hitondra heloka eo amin'ny raiko mandrakizay aho.' 33 Ary noho izany, avelao re ny mpanomponao hijanona ho solon'ilay zazalahy tahaka ny andevon'ny tompoko, ary avelao ilay zazalahy hiakatra hiaraka amin'ireo rahalahiny. 34 Fa amin'ny fomba ahoana no hiakarako any amin'ny raiko raha tsy miaraka amiko ilay zazalahy? Matahotra ny hahita ilay ratsy izay ho tonga eo amin'ny raiko aho."
Manomboka tranga vaovao ao amin'ny tantara izany. Azo antoka tokoa fa ny ampitson'ny nanaovana ny fety izany.
Ny "tompon'andraikitra mpampandroso" dia tompon'andraikitra izay misahana ny asa rehetra atao ao an-tokantranon'i Josefa.
Ny volan'izy ireo dia vola volafotsy boribory kely izay azo antoka fa ao anaty kitapo kely.
"ao anaty lasakany"
"ataovy ao ilay kapoaka volafotsiko"
Ny teny hoe "rahalahy" dia azo avy hatrany. DH: "ao anatin'ny lasakan'i zandriny indrindra amin'ireo rahalahy"
"Niposaka ny taratra hazavan'ny maraina"
Afaka atao izany hoe: DH: "nalefan'izy ireo ireo lehilahy, niaraka tamin'ireo borikin'izy ireo"
Nampiasaina izany fanontaniana izany hibedesana ireo rahalahiny. DH: "Nahoana ianareo no nanao zava-dratsy taminay, tao aorian'ny nanaovanay soa anareo!"
Nampiasaina izany fanontaniana izany hibedesana ireo rahalahy. DH: "Efa fantatrareo fa ity kapoaka ity no fisotroan'ny tompoko sy hampiasainy amin'ny faminaniany harena!"
Naverina indroa ny "nanao sy ny nataonareo" entina hanindrina. DH: "Tena ratsy tokoa izay nataonareo"
Eto ny "teny" dia ilazana an'izay nolazaina. DH: "niteny izay nolazain'i Josefa taminy"
Eto ny "teny" dia ilazana an'izay nolazaina. Ireo rahalahy dia manondro ilay mpiandraikitra ny fampandrosoana ho "tompoko." Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. Afaka atao izany hoe: DH: "Nahoana ianao no miteny izany, ry tompoko?"
Manondro ny tenany amin'ny "mpanomponao" sy "izy ireo" ireo rahalahy. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. DH:"Tsy mba hanao zavatra toy izany mihitsy izahay!"
Ny zavatra izay tsy ho hataon'ny olona dia resahina toy ny zavatra izay tian'ny olona hapetraka lavitra azy.
Manampy amin'ny fanindrina izay holazain'ireo rahalahy manaraka izany.
"fantatrao ny vola izay hitanay tao anaty lasakanay"
"nentinay niverina avy amin'ny tany Kanana aty aminao indrindra"
Nampiasa izany fanontaniana izany ireo rahalahy mba hanindrina fa tsy nangalatra tany amin'ny tompon-tanin'i Egypta izy ireo. DH: "Koa tsy afaka ny haka zavatra avy amin'ny tranon'ny tomponao izahay!"
Nampiasaina niaraka ireo teny ireo mba hilazana fa tsy angalatra zavatra sarobidy izy ireo.
Manondro ny tenany amin'ny hoe "ireo mpanomponao." Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. Ny "ahitana an'izany" dia afaka atao ihany koa hoe: DH: "Raha hitanao fa ny iray taminay no nangalatra ilay kapoaka"
Ny andian-teny "ny tompoko" dia ilazana ny tompon'andraikitra amin'ny fampandrosoana. Afaka atao izany hoe: DH: "afaka alainao ho andevonao izahay"
Eto ny "ary" dia tsy midika hoe "ankehitriny," fa nampiasaina mba hisarihana ny saintsika amin'ny teboka manan-danja izay manaraka azy. Ny "teny" ihany koa dia hanambarana izay lazainy. DH: "Eny tokoa. Hataonay izay lazainao"
Afaka atao izany hoe: DH: "Raha toa ka hitako ao amin'ny lasakan'ny iray aminareo ny kapoaka, dia ho andevoko izany olona izany"
"nanao ny lasakany tamin'ny tany"
Ny teny hoe "rahalahy" dia azo avy hatrany. DH: "ilay lahimatoa amin'ny rahalahy ... ilay faralahy amin'ireo rahalahy"
Afaka adika ho fehezan-teny vaovao izany fehezanteny izany. DH: "faralahy. Hitan'ilay tompon'andraikitra amin'ny fampandrosoana tao anaty lasakan'i Benjamina ilay kapoaka"
Ny teny hoe "izy ireo" dia ilazana ireo rahalahy. Ny fandrovitana ny akanjo dia marika hanehoana ny adin-tsaina lehibe sy ny alahelo.
"ary niverina izy ireo"
"Mbola tany i Josefa"
"nandohalika teo anolohany izy ireo." Izany dia famantarana fa irian'ireo rahalahy ny hamindran'ilay tompo fo amin'izy ireo.
Mampiasa izany fanontaniana izany i Josefa mba hibedesana ireo rahalahiny. DH: "Fantatrareo tsara fa ny olona toa ahy dia mahafantatra zava-miafina!"
Ireo fanontaniana 3 ireo dia midika zavatra iray ihany. Mampiasa ireo fanontaniana ireo izy hanindrina fa tsy misy afaka hanazavain'izy ireo izay nitranga. DH: "Tsy manan-kambara izahay, tompoko. Tsy afaka miresaka zavatra manan-danja izahay. Tsy afaka manamarina ny tenanay izahay."
Eto ny "ny tompoko" dia ilazana an'i Josefa. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. Afaka atao izany hoe: DH: "Inona no azonay lazaina anao ... ireo andevonao"
Eto ny "hita" dia tsy midika hoe Andriamanitra mahita fotsiny izay nataon'ireo rahalahy. Ny heviny dia hoe manasazy azy ireo ny amin'izay nataony Andriamanitra. DH: "Manasazy antsika Andriamanitra ny amin'ireo fahotantsika taloha"
Manondro ny tenany amin'ny hoe "ireo mpanomponao" ireo rahalahy. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. Afaka atao izany hoe: DH: "ny helokay"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manontolo. Ny "nahitana" ihany koa dia afaka atao hoe: DH: " ary ny iray izay nahitana ny kapoakanao"
Ny zavatra izay tsy tokony hataon'ny olona dia resahina toy ny zavatra izay tian'ny olona atao lavatra azy. DH: "Tsy mba ny toa ahy ny hanao zavatra toy izany"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manontolo. Ny "nahitana" ihany koa dia afaka atao hoe: DH: "Ilay lehilahy izay nahitana ny kapoako"
"nanakaiky"
Manondro ny tenany amin'ny hoe "ny mpanomponao" i Joda. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. Afaka atao izany hoe: DH: "Aoka aho, izay mpanomponao"
Eto ny "teny" dia sarinteny ilazana an'izay nolazainy. Ary ny "sofina" dia fibangoan-teny ilazana ny olona manontolo. DH: "hiresaka aminao, ry tompoko"
Eto ny "tompoko" dia ilazana an'i Josefa. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. Afaka atao izany hoe: DH: "aminao"
Ny fahatezerana dia resahina toy ny afo mirehitra. DH: "aoka tsy ho tezitra amiko, mpanomponao ianao"
Mampitahy ilay tompo amin'i Farao i Joda mba hanindrina fa manana fahefana ambony ilay tompo. Tsapa avy amin'izany koa fa tsy tiany ho tezitra aminy ilay tompo na hamono azy. DH: "fa manana fahefana tahaka an'i Farao ianao ary afaka maniraka ireo miaramilanao hamono ahy"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Nanontany anay ny tompoko raha manana ray sy rahalahy izahay."
Manondro an'i Josefa amin'ny teny hoe "ny tompoko" sy "izy" i Joda. Manondro ny tenany sy ireo rahalahiny amin'ny hoe "ireo mpanompony" ihany koa izy. DH: "Ianao, tompoko, manontany anay, izay mpanomponao" na "Manontany anay ianao"
Manohy miresaka eo anatrehan'i Josefa i Joda
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Ary niteny tamin'ny tomponay izahay fa manana ray ... izay tian'ny rainy"
Manondro an'i Josefa amin'ny hoe "tompoko" i Joda. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. DH: "niteny taminao, ianao tompoko"
Ilazana ny fitiava-namana sy fianakaviana izany.
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Ary nilaza tamin'ny mpanomponao ianao fa tsy maintsy mitondra ny zandrinay faralahy aminao izahay mba hahafahanao mahita azy"
Manondro ny tenany sy ireo rahalahiny amin'ny hoe "ireo mpanomponao" i Joda. DH: "Ary dia niteny taminay ianao, izahay mpanomponao"
Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta. DH: "Ento eto amiko izy"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Ho setrin'izany, dia niteny tamin'ny tomponay izahay fa ilay zazalahy ... ho faty ny rainy"
Azo ambara avy amin'izany fa ho fatin'ny alahelo ny rain'izy ireo.
Nanohy niresaka ny tantarany tamin'i Josefa i Joda
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Ary dia niteny tamin'ny mpanomponao ianao fa raha tsy tonga miaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia tsy ahita anao intsony izahay"
Manondro ny tenany sy ireo rahalahiny amin'ny hoe "ireo mpanomponao" i Joda. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. DH: "Ary dia niteny taminay ianao, izahay mpanomponao"
Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta.
Eto ny "tava" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "tsy ahita ahy intsony ianao"
Izany andian-teny izany dia nampiasaina eto hanamarihana ny fiantombohan'ny fizaran-tantara vaovao. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia afaka mihevitra ny hampiasa izany eto ianao.
Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "miakatra" rehefa miresaka ny mandeha avy any Egypta mankany Kanana.
Manondro an'i Josefa amin'ny hoe "tompoko" i Joda. Ny "teny" ihany koa dia ilazana izay voalaza. DH: "nolazainay azy izay nolazainao, ry tompoko"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Niteny taminay ny mba handehananay aty Egypta indray mba hividy sakafo ho anay sy ireo fianakavianay ny rainay"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Ary dia niteny taminy izahay fa tsy afaka hidina mankany Egypta. Niteny taminy izahay fa ny faralahinay dia miaraka aminay ... miaraka aminay"
Eto ny "tava" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "hahita ilay lehilahy"
Nanohy niresaka ny tantarany tamin'i Josefa i Joda
Misy farango roa sy telo ao anatin'izany. Afaka atao izany hoe: DH: "nilaza taminay fa fantatray tokoa fa i Rahely, vadiny, dia niteraka zaza roa lahy monja taminy, ary ny iray tamin'ireo raha nivoaka dia noviravirain'ny biby, ary tsy hitany intsony hatramin'izay. Ary dia niteny izy fa raha mbola halainay koa ilay zanany hafa ka misy zava-dratsy mitranga aminy, dia hanao izay hahafatin'ny alahelo azy izahay."
Eto ny "...nay" na "anay" dia tsy milaza an'i Josefa.
Eto ny "ianareo" dia ilazana ireo rahalahiny.
Afaka atao izany hoe: DH: "nisy bibidia namiravira azy"
Ny zavatra ratsy izay mitranga amin'ny olona dia resahina toy ny "loza" izay nandeha ary tonga teo amin'ny olona.
Ny "mitondra midina ... mankany amin'ny Fiainan-tsy hita dia fomba ilazana fa hanao izay hahafaty sy andehanany any amin'ny Fiainan-tsy hita. Mampiasa ny teny hoe "midina" izy satria nahazatra ny mihevitra fa ny Fiainan-tsy hita dia any ambanin'ny tany. DH: "ary dia hahatonga ity lahy antitra, ho fatin'ny alahelo ianao"
Ilazana an'i Jakoba izany ary hanindrina ny fahanterany. DH: "izaho, lahy antitra"
Eto ny "Ary" dia tsy midika hoe "ankehitriny," kanefa nampiasaina hisarihana ny fifantohana amin'ny teboka manan-danja manaraka.
Manoritsoritra amin'ny Josefa zavatra mitombina i Joda kanefa izany dia petra-kevitra ny amin'izay hampoiziny hitranga amin'i Jakoba rehefa miverina tsy miaraka amin'i Benjamina izy.
Eto ny "tonga" dia azo adika hoe "mandeha" na "miverina."
"tsy miaraka aminay ilay ankizilahy"
Ny filazan'ny ilay ray fa ho faty izy raha maty ny zanany lahy dia resahina toy ny hoe mifamatotra ny ain'ny anankiroa. DH: "satria izy niteny fa ho faty raha tsy miverina ilay zazalahy"
Miresaka mahakasika ny petra-kevitra mety hitranga amin'ny ho avy toy ny hoe hitranga tokoa i Joda.
Ny "mitondra midina ... mankany amin'ny Fiainan-tsy hita dia fomba filaza fa hanao izay hahafaty azy sy hidinany any amin'ny Fiainan-tsy hita izy ireo. Mampiasa ny teny hoe "midina" izy satria nahazatra ny mihevitra fa ny Fiainan-tsy hita dia any ambanin'ny tany. DH: "ary dia hahatonga ilay rainay efa antitra ho fatin'ny alahelo izahay"
Manondro ny tenany sy ireo rahalahiny amin'ny hoe "ireo mpanomponao" i Joda. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. DH: "Ary izahay, izahay mpanomponao" na "ary izahay"
Eto ny "volo fotsy" dia ilazana an'i Jakoba ary hanindrina ny fahanterany. DH: "ny rainay izay tena antitra"
Ny anarana hoe "antoka" dia azo atao koa hoe "nampanantenana". DH: "Satria nampanantena ny raiko mahakasika ilay zazalahy aho"
Manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" i Joda." DH: "Fa izao, mpanomponao" na "Fa izao"
Ny heverina toy ny meloka dia resahina toy ny zavatra izay entin'ny olona ny "heloka". DH: "dia mety hanameloka ahy ny raiko"
Eto ny "Ary" dia tsy midika hoe "ankehitriny," fa kosa nampiasaina hisarihana ny fifantohana amin'ny teboka manan-danja manaraka.
Manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" i Joda. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony. DH: "Aoka aho, izay mpanomponao" na "aoka aho"
Manondro an'i Josefa ho "tompony" i Joda. DH: "ho anao, tompoko" na "ho anao"
Hampiasaina ny teny hoe "hiakatra" rehefa miresaka ny mandeha avy any Egypta mankany Kanana.
Mampiasa izany fanontaniana izany i Joda mba hanindrina ny alahelony raha tsy miverina any an-trano i Benjamina. DH: "Tsy afaka miverina any amin'ny raiko aho raha tsy miaraka amiko ilay zazalahy."
Ny fijalian'ny olona fatratra dia resahina toy ny zavatra "ratsy" izay tonga amin'ny olona. DH: "Matahotra ny hahita ny fijalian'ny raiko aho"
1 Ary Josefa tsy nahafehy ny fihetseham-pony teo anoloan'ireo mpanompo izay nitsangana teo anilany. Niteny mafy izy hoe: "Tsy maintsy mandao ahy ny rehetra." Ka dia tsy nisy mpanompo nijoro teo aminy rehefa nampahafantatra ny tenany tamin'ireo rahalahiny i Josefa. 2 Nitomany mafy izy, ka ren'ireo Egyptiana izany, ary ren'ireo tao an-tranon'i Farao. 3 Hoy Josefa tamin'ireo rahalahiny hoe: "Izaho no Josefa. Mbola velona ve ny raiko?" Tsy nahavaly azy ireo rahalahiny, satria tohina teo anatrehany izy ireo. 4 Avy eo Josefa niteny tamin'ireo rahalahiny hoe: "Manatona akaiky ahy, azafady." Dia nanatona akaiky izy ireo. Hoy izy hoe: "Izaho no Josefa rahalahinareo, izay namidinareo tany Egypta. 5 Aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo ny amin'ny namarotanareo ahy taty, satria Andriamanitra no nandefa ahy mialoha anareo mba hiarovana ny ainareo. 6 Satria teto amin'ity tany ity ny mosary nandritr'izay roa taona izay, ary mbola hisy dimy taona izay tsy hisy na fiasana tany na fijinjana. 7 Andriamanitra naniraka ahy hialoha anareo mba hitahiry anareo ho sisa eto an-tany ary hitazona anareo ho velona amin'ny fanafahana lehibe. 8 Ary noho izany tsy ianareo no nandefa ahy taty fa Andriamanitra, ary izy nanao ahy ho rain'i Farao, tompon'ny tranony rehetra, sy mpanapaka ny tany rehetra manerana an'i Egypta. 9 Faingàna ary miakara any amin'ny raiko ka lazao aminy hoe: 'Izao no ambaran'i Josefa zanakao: "Nataon'Andriamanitra mpanapaka an'i Egypta iray manontolo aho. Midina aty amiko, ka aza mangatak'andro. 10 Hipetraka amin'ny tanin'i Gosena ianao ary ho eo akaikiko, ianao sy ireo zanakao ary ireo zanaky ny zanakao, sy ireo ondry aman'osy ary ireo omby, sy ny fanananao rehetra. 11 Hamatsy anareo aho, satria mbola haharitra dimy taona ny mosary, ka mba tsy ho tonga aminareo ny fahantrana, aminao, sy ny tokantranonao, ary izay anananao rehetra."' 12 Indro, hitan'ny masonareo, sy ny mason'i Benjamina rahalahiko, fa ny vavako no miteny aminareo. 13 Ho lazainareo amin'ny raiko ny momban'ny voninahitro aty Egypta sy ny zavatra rehetra izay hitan'ny masonareo. Mandehana faingana ianareo ary ento midina aty ny raiko." 14 Namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany, ary Benjamina nitomany teo amin'ny vozony. 15 Nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ary nitomany teo amin'izy ireo. Tao aorian'izay dia niresaka taminy ireo rahalahiny. 16 Ary nolazaina tao an-tranon'i Farao ny vaovao hoe: "Tonga ireo rahalahin'i Josefa." Nahafaly tanteraka an'i Farao sy ireo mpanompony izany. 17 Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Lazao amin'ireo rahalahinao hoe: 'Ataovy izao: ataingeno ny entana ho entin'ireo bibinareo ary mandehana any amin'ny tany Kanana. 18 Ento ny rainareo sy ny tokantranonareo ary mankanesa aty amiko. Homeko anareo ny tsara eto amin'ny tanin'i Egypta, ary hihinana ny matavin'ny tany ianareo.' 19 Ary omena didy ianareo hoe: 'Ataovy izao, makà kalesy amin'ny tany Egypta ho an'ny zanakareo sy ny vadinareo. Ento ny rainareo ka mankanesa aty. 20 Aza miahiahy ny amin'ireo fanananareo, fa anareo izay tsara eto amin'ny tany rehetra manerana an'i Egypta.'" 21 Koa dia nataon'ireo zanak'Israely izany. Nomen'i Josefa kalesy izy ireo araka ny nandidian'i Farao, ary nanome azy ireo vatsy ho entina eny an-dalana. 22 Nomeny akanjo ho soloina izy rehetra, fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telonjato sy akanjo ho soloina dimy. 23 Izao no nalefany ho an'ny rainy: boriky lahy folo nitondra ireo zava-tsoan'i Egypta; ary boriky vavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy hafa ho an'ny rainy entina eny an-dalana. 24 Dia nalefany ireo rahalahiny ka lasa izy ireo. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Aza mifanditra eny an-dalana ianareo." 25 Dia niakatra avy tao Egypta izy ireo ka tonga tany tamin'ny tany Kanana, ho any amin'i Jakoba rainy. 26 Niteny taminy izy ireo hoe: "Mbola velona Josefa, ary mpanapaka ny tany Egypta iray manontolo izy." Niontana ny fony, satria tsy nino izay nolazain'izy ireo azy. 27 Nolazain'izy ireo taminy ny teny rehetra nambaran'i Josefa azy ireo. Rehefa hitan'i Jakoba ny sarety izay nalefan'i Josefa mba hitondrana azy, dia velona indray ny fanahin'i Jakoba rain'izy ireo. 28 Hoy Israely hoe: "Ampy izay. Mbola velona Josefa zanako. Handeha aho ary hijery azy mialohan'ny hafatesako."
Ny heviny dia tsy nahafehy ireo fihetseham-pony. Afaka atao izany hoe: DH: "saika hitomany"
"teo akaikiny"
Eto ny "trano" dia ilazana ny olona izay tao an-dapan'i Farao. DH: "ny olona rehetra tao andapan'i Farao"
"natahotra azy"
Afaka atao mazava ny tena dikan'izany. DH: "izay namidinareo ho andevo tamin'ny mpanao raharaham-barotra izay nitondra ahy tany Egypta"
"aza tezitra" na "aza miahiahy"
Ny tena heviny dia afaka atao mazava kokoa. DH: "ny amin'ny namarotanareo ahy ho andevo sy ny nandefasanareo ahy eto Egypta"
Eto ny "aina" dia ilazana ny olona izay navotan'i Josefa tsy ho faty nandritra ny mosary. DH: "mba hahafahako manavotra aina maro"
"mbola hisy dimy taona ankoatra izay tsy hisy na fiasana tany na fijinjana." Eto ny "tsy hisy na fiasana tany na fijinjana" dia ilazana ny zava-misy fa ny vokatra dia tsy haniry nohon'ny mosary. DH: "ary ny mosary dia mbola haharitra dimy taona"
"mba tsy ho levona eto an-tany ianao sy ireo fianakavinareo" na "mba hahazoana antoka fa ho velona ireo taranakao"
Ny anarana hoe "fanafahana" dia afaka atao koa hoe "fanavotana." DH: "hitazona anareo ho velona amin'ny fanavotana amin'ny fitondrana mahery"
Ny fanampiana sy ny fanoroana an'i Josefa an'i Farao dia resahina toy ny hoe rain'i Farao i Josefa. DH: "nataony ho mpitari-dalana an'i Farao aho" na "nataony ho ilay lehiben'ny mpanolotsaina an'i Farao aho"
Eto ny "trano" dia ilazana ny olona izay mipetraka ao an-dapany. DH: "ny ankohonany rehetra" na "'ny ao an-dapany rehetra"
Eto ny "tany" dia ilazana ny olona. DH: "mpanapaka ny olona rehetra eto Egypta"
Eto i Josefa dia midika ho mpanapaka faharoa manaraka an'i Farao, ilay mpanjakan'i Egypta. Afaka atao mazava izany fampahafantarana izany.
Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "miakatra" rehefa miresaka ny mandeha avy any Egypta mankany Kanana. DH: "miverena mankany amin'ny raiko"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: " lazao azy izay lazaiko hoe: 'Andriamanitra efa ... izay anananao rehetra"
Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta. DH: "Mankanesa aty amiko"
Miresaka ny "fahantrana" toy ny lahatra izany itodihana izany. DH: "mandany" na "mosarena"
Ny teny hoe "maso" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "Ianareo rehetra sy i Benjamina no maita"
Ny teny hoe "vava" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "fa izaho, Josefa, no miresaka aminareo"
"ny momban'ny fanajan'ny olona aty Egypta ahy fatratra"
Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta. DH: "eto amiko ny raiko"
"Namihina an'i Benjamina rahalahiny i Josefa, ary samy nitomany izy ireo"
fomba ny manoroka ny havana tiana na mamihina azy ireny
Ny heviny dia hoe nitomany i Josefa raha nanoroka azy ireo.
Vao haingana teo no natahotra mafy ny hiresaka aminy izy ireo. Izao kosa dia mahatsapa izy ireo fa afaka miresaka an-kalalahana. Ny tena hevitr'izany fanambarana izany dia afaka atao mazava. DH: "Tao aorian'izay dia niresaka an-kalalahana taminy ireto rahalahiny"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Naheno mikasika an'ireo rahalahin'i Josefa izay tonga ny olona rehetra tao an-dapan'i Farao"
Ilazana ny lapan'i Farao izany.
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Lazao ireo rahalahinareo hanisy lasely ireo biby fiompiny ary andeha ho any Kanana haka ny rain'izy ireo sy ny fianakaviany. Lazao izy ireo mba ho avy eto, ary dia homeko azy ireo fa omeko ny tany tsara indrindra eto Egypta sy ny sakafo tsara indrindra izay fanome anay"
"Homeko anareo ny tany tsara eto Egypta"
Ny sakafo tsara izay vokarin'ny tany dia resahina toy ny hoe faritra matavy amin'ny tany. DH: "hihinana ny sakafo tsara indrindra amin'ny tany ianao"
Manohy miresaka amin'i Josefa sy ireo rahalahiny i Farao.
Eto ny "Ary" dia tsy midika hoe "ankehitriny," fa kosa nampiasaina hisarihana ny fifantohana amin'ny teboka manan-danja manaraka.
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "teneno ihany koa izy ireo haka kalesy hivoaka ny tanin'i Egypta ho an'ireo vady aman-janany, ary haka ny rain'izy ireo ho avy eto. Tsy mila hanana ahiahy ny hitondra ireo fananany izy ireo, fa izaho hanome azy ireo ny zavatra tsara indrindra izay hananay eto Egypta"
Afaka atao izany hoe: DH: "Mandidy anareo koa aho hiteny amin'izy ireo" na "lazao azy ireo koa"
ny "kalesy" dia sarety fitaterana misy kodiarana roa na efatra. Biby no mitarika ireo kalesy.
"ary nanome azy ireo izay nilainy amin'ny fandehanana"
Ny lehilahy tsirairay dia nahazo akanjo isoloana avy ankoatran'i Benjamina izay nahazo akanjo 5 hisolosoloana.
"300 isa"
Anisan'ny fanomezana ihany koa ireo boriky ireo.
Ireo mety ho heviny dia 1)"aza miady hevitra" sy 2)"aza mety ho azon'ny tahotra"
Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "miakatra" rehefa miresaka ny mandeha avy any Egypta mankany Kanana.
Eto ny "tany Egypta" dia ilazana ny olona any Egypta. DH: "nanapaka ny olona rehetra any Egypta izy"
Eto ny "fo" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "ary dia taitra loatra izy" na "niontana izy" na "faly loatra izy"
"tsy nety nanaiky izy fa marina izay nolazain'izy ireo"
"Nolazain'izy ireo tamin'i Jakoba"
Eto ny "teny" dia ilazana izay voalaza. DH: "ny zavatra rehetra izay nambaran'i Josefa azy ireo"
Ny teny hoe "fanahy" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "sitrana tamin'ny alahelony i Jakoba rain'izy ireo" na "faly loatra i Jakoba rain'izy ireo"
1 Niainga niaraka tamin'izay rehetra nananany Israely ary nankany Beri-sheba. Tao no nanolorany fanatitra ho an'i Andriamanitr'Isaka rainy. 2 Niteny tamin'Israely tao anaty fahitana Andriamanitra ny alina, nanao hoe: "Jakoba, Jakoba." Hoy izy hoe: "Inty aho." 3 Hoy Izy hoe: "Izaho no Andriamanitra, Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina ho any Egypta, fa hataoko firenena lehibe any ianao. 4 Hiaraka aminao hidina ho any Egypta Aho, ary Izaho hitondra anao hiverina hiakatra tokoa ary ny tanan'i Josefa no hanirina ny masonao amin'ny tanany. 5 Niarina tao Beri-sheba i Jakoba. Nitondra an'i Jakoba rainy, ireo zanany, sy ireo vadiny, tamin'ny kalesy izay nalefan'i Farao mba hitondrana azy ireo ny zanak'Israely. 6 Nentin'izy ireo ny biby fiompiny sy ny fananan'izy ireo izay efa azony tao amin'ny tany Kanana. Niditra tao Egypta izy ireo, niaraka tamin'i Jakoba sy ireo taranany rehetra. 7 Nentiny niaraka taminy tany Egypta ireo zanany lahy sy ireo zafiny lahy, ireo zanany vavy sy ireo zafiny vavy, ary ireo taranany rehetra. 8 Ireto no anaran'ny zanak'Israely izay tonga tany Egypta, Jakoba sy ireo zanany: Robena, lahimatoan'i Jakoba; 9 ireo zanaka lahin'i Robena i Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy; 10 ireo zanak'i Simeona, dia i Jemoela, Jamina, Ohada, Jakina, Zohara, ary Saoly, ireo zanaka lahin'ilay vehivavy Kananita; 11 ireo zanaka lahin'i Levy dia i Gersona, Kehata, Merary. 12 Ireo zanaka lahin'i Joda: Era, Onana, Sela, Fareza, ary Zera (fa i Era sy Onana maty tany amin'ny tany Kanana). Ireo zanaka lahin'i Fazera dia i Hezrona sy Hamola. 13 Ireo zanaka lahin'i Isakara dia i Tola, Pova, Joba, ary Simrona; 14 Ireo zanaka lahin'i Zebolona dia Sereda, Elona, ary Jahalela. 15 Ireo ny zanaka lahin'i Lea izay naterany tamin'i Jakoka tany Padana-Arama, mbamin'i Dina zanany vavy. Niisa telo amby telopolo ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy. 16 Ireo zanaka lahin'i Gada dia i Zifiona, Hagy, Sony, Ezbona, Ery, Aroda, ary Arely. 17 Ireo zanaka lahin'i Asera dia Jimna, Jisva, Jisvy, ary Beria; ary i Sera no anabavin'izy ireo. Ireo zanaka lahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela. 18 Ireo no zanaka lahin'i Zilpa, izay nomen'i Labana an'i Lea zanaka vaviny. Ireo no zanany lahy naterany tamin'i Jakoba—enina ambin'ny folo no fitambarany. 19 Ireo zanaka lahin'i Rahely vadin'i Jakoba dia Josefa sy Benjamina. 20 Niteraka an'i Manase sy Efraima tamin'i Asenata, zanaka vavin'i Potifera mpisorona tao Ona i Josefa tany Egypta. 21 Ireo zanaka lahin'i Benjamina dia i Bela, Bakera, Gera, Asbela, Gera, Namana, Ehy, Rosy, Mopima, Hopima ary Arda. 22 Ireo no zanak'i Rahely naterany tamin'i Jakoba—efatra ambin'ny folo no fitambarany. 23 Ny zanaka lahin'i Dana dia i Hosima. 24 Ireo zanaka lahin'i Naftaly dia Jaziela, Gony, Jezera, ary Silema. 25 Ireo no zanaka lahy naterak'i Jakoba tamin'i Bila, izay nomen'i Labana an'i Rahely zanany vavy—fito ny fitambarany. 26 Ireo rehetra izay nankany Egypta niaraka tamin'i Jakoba, izay taranany, raha tsy isaina ireo vadin'ny zanany lahy, dia enina amby enimpolo ny fitambarany. 27 Fitopolo ny fitambaran'ny fianakanaviany nankany Egypta, niaraka tamin'ny zanaka lahin'i Josefa anankiroa izay naterany tany Egypta. 28 Nalefan'i Jakoba hialoha lalana azy mankany amin'i Josefa i Joda mba hanoro lalana azy ho any Gosena, ary dia tonga tany amin'ny tanin'i Gosena izy ireo. 29 Nanomana ny kalesiny Josefa ary lasa niakatra nitsena an'Israely rainy. Nahita azy izy, namihina ny vozony, ary nitomany ela teo amin'ny vozony. 30 Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Aoka ho faty amin'izay aho, satria efa nahita ny tavanao, fa mbola velona ianao." 31 Josefa niteny tamin'ireo rahalahiny sy ireo ankohonan-drainy hoe: "Hiakatra aho ary hilaza amin'i Farao, ka hiteny hoe: 'Efa tonga aty amiko ireo rahalahiko sy ireo fianakavian-draiko izay tany amin'ny tany Kanana. 32 Mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, satria mpikarakara biby fiompy izy ireo. Nentin'izy ireo ny ondry aman'osiny, ireo ombin'izy ireo, ary izay rehetra nananany.' 33 Ary rehefa miantso anareo Farao ary manontany hoe: 'Inona no asanareo?' 34 dia tokony hiteny ianareo fa: 'Ireo mpanomponao dia efa mpikarakara biby fiompy hatramin'ny fahazazanay ka hatramin'izao, dia izahay sy ny razanay.' Ataovy izany mba hafahanareo monina amin'ny tanin'i Gosena, satria fahavetavetana ho an'ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra."
"tonga tany Beri-sheba"
"Eny, mihaino anao aho"
Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta.
Eto ny "ianao" dia ilazana an'i Jakoba. Ilazana ireo taranak'Israely izay ho tonga firenen-dehibe izany. DH: "Hanome anao taranaka maro aho, ary ho tonga firenen-dehibe izy ireo"
"ho any Egypta"
Natao ho an'i Jakoba ny fampanantenana, kanefa izany dia ho tanteraka amin'ireo tarak'Israely rehetra. DH: "hitondra ireo taranak'Israely mivoaka an'i Egypta indray aho"
Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "miakatra" rehefa miresaka ny mandeha avy any Egypta mankany Kanana.
Ny andian-teny "manirina ny masonao amin'ny tanany" dia fomba filaza fa hanatrika ny fahafatesan'i Israely i Josefa ary izy nohanirina ny masony amin'ny fotoana hafatesany. DH: "Ary na i Josefa aza dia hanatrika eo amin'ny fotoana hahfatesanao"
Fomba ny manakipy ny hodi-maso rehefa misy olona maty ka mihiratra ny masony. Afaka atao mazava ny tena dikan'izany fanambarana izany.
"niala tao"
ny "kalesy" dia sarety fitaterana misy kodiarana roa na efatra. Biby no mitarika ireo kalesy. Jereo ny nandikanao ny "kalesy" ao amin'ny 45:19.
"izay nangon'izy ireo" (UDB) na "izay azon'izy ireo"
"Nentin'i Jakoba niaraka taminy"
"ireo zafikeliny lahy"
"ireo zafikeliny vavy"
Ilazana ireo anaran'olona izay ho tanisain'ny mpanoratra izany
"an'ny fianakavian'Israely"
Anaran-dehilahy ireo.
Anaran'ireo zanaka lahin'i Joda tamin'i Soa vadiny izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:3.
Anaran'ireo zanaka lahin'i Joda tamin'i Tamara vinantovaviny ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:29.
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
Anaran'ny zanakavavin'i Lea izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 30:19.
Eto ny "zanakalahy"sy "zanakavavy" dia ilazana ireo zanaka lahy sy zanaka vavy, sy zafikelin'i Jakoba tamin'i Lea. DH: "Ny fitambaran'izy ireo dia 33 ny zanany lahy sy ny zanany vavy ary ireo zafiny"
Anaran-dehilahy ireo.
Anaram-behivavy izany.
Anaran'ny mpanompovavin'i Lea izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:23.
Ilazana ireo zaza 16 izany, ireo zafikely sy ireo zafiafy izay mifandray amin'i Zilpa.
"Asenata" no anaran'ilay vehivavy izay nomen'i Farao an'i Josefa ho vadiny. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:44.
"Potifera" no rain'i Asenata. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:44.
Ona dia anaran-tanàna, izay antsoina koa hoe Heliopolisy, dia "ilay Tananàn'ny Masoandro" sy ilay ivon'ny fanompoana an'i Ra ilay andriamanitrin'ny masoandro. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:44.
Anaran-dehilahy ireo.
Ilazana ireo zaza 14 izany, ireo zafikely sy ireo zafiafy izay mifandray amin'i Rahely.
Anaran-dehilahy ireo.
Anaran'ny mpanompovavin'i Rahely izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:28.
Ilazana ireo zaza 7 izany, ireo zafikely izay mifandray amin'i Bila.
"66"
"70"
"mba hanoro azy ireo ny lalana azy ho any Gosena"
Eto ny "Josefa" dia ilazana an'ireo mpanompony. DH: "Nanomana ny kalesiny ireo mpanompon'i Josefa sy i Josefa ary lasa niakatra"
Ny andian-teny "lasa niakatra" dia nampiasaina satria i Josefa dia nandeha niakatra ambonimbony kokoa mba hihaona amin'ny rainy. DH: "nandeha nihaona amin'i Israely"
"nametraka ny sadriny teo amin-drainy, ary nitompany ela teo"
"Vonona ny ho faty aho ankehitriny" na "ankehitriny dia ho faty am-piadanana aho" na "ankehitriny dia ho faty am-pifaliana aho"
Eto ny "tava" dia ilazana ny olona manontolo. Naneho ny hafaliany ny amin'ny fahitana an'i Jakoba i Josefa. DH: "satria efa nahita anao velona indray aho"
Eto ny "ankohonana" dia ilazana ny fianakaviana. DH: "ny fianakavian-drainy" na "ny ankohonan-drainy"
Efa mahazatra ny mampiasa ny andian-teny hoe "miakatra" rehefa milaza ny olona izay mandeha hiresaka amin'ny olona manana fahefana ambony. DH: "Handeha hiteny amin'i Farao aho"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "lazao amin'i Farao fa ireo rahalahiko ... ary izay rehetra nananany.''
Nampiasaina izany teny izany eto hanamarihana ny tranga manan-danja ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto.
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "ary hanontany anao mahakasika ny karazan'asa izay ataonareo, tokony hiteny ianareo"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "tokony hiteny ianareo fa ianareo efa ... dia izahay sy ny razanay.''
Ny fianakavian'i Josefa dia manondro ny tenany amin'ny hoe "Ireo mpanomponao" raha niresaka tamin'i Farao. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony kokoa. Afaka atao izany hoe: DH: "Izahay, mpanomponao"
Ny anarana "fahavetavetana" dia afaka atao koa hoe "maharikoriko". DH: "Nihevitra ireo Egyptiana fa maharikoriko ny mpiandry ondry rehetra"
1 Dia niditra Josefa ary niteny tamin'i Farao hoe: "Tonga avy any amin'ny tany Kanana ny raiko sy ireo rahalahiko, ireo andian'ondry, ny biby fiompy ary ny zavatra rehetra izay ananan'izy ireo. Indro, ao amin'ny tanin'i Gosena izy ireo." 2 Ary naka dimy tamin'ireo rahalahiny i Josefa ka nampahafantatra azy ireo tamin'i Farao. 3 Hoy Farao tamin'ireo rahalahiny hoe: "Inona no asanareo?" Hoy izy ireo tamin'i Farao hoe: "Mpiandry ondry ny mpanomponao, tahaka ireo razambenay ihany." 4 Ary hoy indray izy ireo tamin'i Farao hoe: "Tonga ho mpivahiny fotoana fohy amin'ity tany ity izahay. Tsy misy ahitra ho an'ny biby fiompin'ny mpanomponao, satria mamaivay ny mosary any Kanana. Koa ankehitriny ary, mba avelao re ny mpanomponao hitoetra eo amin'ny tanin'i Gosena." 5 Ary niresaka tamin'i Josefa i Farao, nanao hoe: "Tonga teto aminao ny rainao sy ny rahalahinao. 6 Eo anoloanao ny tany Egypta. Ampitoero ao amin'ny faritra tsara indrindra ny rainao sy ireo rahalahinao, dia ny tanin'i Gosena. Raha mahafantatra olona mahay amin'izy ireo ianao, dia ampitantano ny biby fiompiko ireo." 7 Avy eo dia nentin'i Josefa niditra i Jakoba ary nampahafantariny tamin'i Farao. Nitso-drano an'i Farao i Jakoba. 8 Hoy Farao tamin'i Jakoba hoe: "Hafiriana izay no nahavelomanao?" 9 Jakoba niteny tamin'i Farao hoe: "Telopolo amby zato izay no taonan'ny diako. Vitsy ary nangirifiry ny androm-piainako. Tsy mba lava tahaka ny an'ny razako ireo." 10 Ary nitso-drano an'i Farao i Jakoba ka nivoaka niala teo amin'ny fanatrehany. 11 Taorian'izany dia nampitoetra ny rainy sy ireo rahalahiny i Josefa. Nanome fari-tany ho azy ireo tao amin'ny tany Egypta izy, izay tany tsara indrindra, tao amin'ny tanin'i Ramesesa, araka ny nandidian'i Farao. 12 Nanome sakafo ho an-drainy, sy ireo rahalahiny, ary ny ankohonan-drainy rehetra i Josefa, araka ny isan'ny zanany avy. 13 Ary tsy nisy sakafo teo amin'ny tany rehetra; satria namaivay ny mosary. Simba ny tany Egypta sy Kanana nohon'ny mosary. 14 Nangonin'i Josefa tamin'ny alalan'ny fivarotana vary tamin'ireo mponina avokoa ny vola rehetra teo amin'ny tany Egypta sy ny tany Kanana. Avy eo dia nentin'i Josefa tao an-dapan'i Farao ny vola. 15 Rehefa lany avokoa ny volan'ny tany Egypta sy tany Kanana, dia nankeo amin'i Josefa avokoa ny Egyptiana rehetra nanao hoe: "Omeo hanina izahay! Nahoana izahay no dia ho faty eto anatrehanao satria lany ny volanay?" 16 Hoy Josefa hoe: "Raha lany ny volanareo, dia ento aty ny biby fiompinareo ary hanome hanina ho anareo aho ho solon'ny biby fiompinareo." 17 Koa dia nentin'izy ireo teo amin'i Josefa ny biby fiompin'izy ireo. Nomen'i Josefa hanina izy ireo ho takalon'ny soavaly, ny omby, ny ondry, ary ireo ampondra. Novokisany mofo izy ireo ho takalon'ny biby fiompiny tamin'izay taona izany. 18 Rehefa tapitra izany taona izany, dia tonga teo aminy indray izy ireo ny taona manaraka ary niteny hoe: "Tsy anafina amin'ny tomponay izahay fa lany tanteraka ny volanay, ary ny andian'ny biby fiompinay dia efa an'ny tomponay. Tsy misy na inona na inona tavela eo imason'ny tomponay, afa-tsy ny tenanay sy ny taninay. 19 Nahoana izahay no ho faty eo imasonao, izahay sy amin'ny taninay? Vidio izahay sy ny taninay ho takalon-kanina, ka ho mpanompon'i Farao izahay sy ny taninay. Mba omeo voa izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny taninay." 20 Koa dia novidian'i Josefa ho an'i Farao ny tan'ny Egypta manontolo, satria nivarotra ny taniny avokoa ny Egyptiana rehetra fa namaivay tokoa ny mosary. Tamin'izay dia lasan'i Farao ny tany. 21 Raha ny amin'ny vahoaka, dia nataony andevo tany amin'ny ilan'ny sisin-tanin'i Egypta iray ka hatrany amin'ny ilany hafa izy ireo. 22 Ny tanin'ny mpisorona no hany tsy novidian'i Josefa, satria nomena tombony ireo mpisorona. Nihinana tamin'ny anjara nomen'i Farao azy izy ireo. Noho izany dia tsy nivarotra ny taniny izy ireo. 23 Ary hoy Josefa tamin'ny vahoaka hoe: "Indro, efa novidiako ho an'i Farao ianareo sy ny taninareo anio. Ary ity misy voa ho anareo, dia hamboly eo amin'ny tany ianareo. 24 Amin'ny fijinjana, dia tsy maintsy manome ny ampaha-diminy ho an'i Farao ianareo, ary ny ampahany efatra ho anareo manokana, mba ho masom-boly ho an'ny tany ary mba ho sakafo ho an'ny ankohonanareo sy ny zanakareo." 25 Ary hoy izy ireo hoe: "Nanavotra ny ainay ianao. Enga anie ka hahita fitia eo imasonao izahay. Ho mpanompon'i Farao izahay." 26 Koa dia nataon'i Josefa didy nihatra teo amin'ny tany Egypta izany hatramin'izao andro izao, fa ny iray ampaha-diminy dia an'i Farao. Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy lasan'i Farao. 27 Koa nipetraka tany amin'ny tany Egypta, tao amin'ny tanin'i Gosena i Israely. Nahazo fananana tany ny vahoakany. Namokatra be izy ireo ary nitombo isa fatratra. 28 Nitoetra tany amin'ny tany Egypta fito ambin'ny folo taona i Jakoba, ka fito amby efapolo amby zato taona ny androm-piainany. 29 Rehefa akaiky ny fotoana hahafatesan'Israely, dia niantso an'i Josefa zanany izy ary nanao taminy hoe: "Raha nahita fitia teo imasonao aho, dia apetraho eo ambanin'ny feko ny tananao, ary anehoy fahatokiana sy fahamendreham-pitokisana aho. Aza mba halevina eto Egypta re aho. 30 Rehefa mody mandry miaraka amin'ireo razako aho, dia hoentinao mivoaka an'i Egypta ary halevinao any amin'ny fasan'ny razambeko." Hoy Josefa hoe: "Hanao araka izay nolazainao aho." 31 Hoy Israely hoe: "Mianiana amiko," ary nianiana taminy i Josefa. Avy eo dia niankohoka teo an-doham-pandriany Israely.
Ny UDB dia mandahatra ny tranga araka ny fotoana nanjakan'i Farao, raha mandahatra ny tranga araka ny nanoratan'ny mpanoratra izany kosa ny ULB.
"Mpiandry ondry aman'osy ireo mpanomponao"
Ny fianakavian'i Josefa dia manondro ny tenany amin'ny hoe "Ireo mpanomponao" raha niresaka tamin'i Farao. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony kokoa. Afaka atao izany hoe: DH: "Izahay, mpanomponao" na "izahay"
"izahay sy ireo razambenay"
"Tonga hipetraka mandritra ny fotoana fohy aty Egypta izahay"
"Tsy misy bozaka hohanina"
Tsy midika izany hoe "amin'izao fotoana izao" izany, fa nampiasaina kosa hisarihana ny fifantohana amin'ny teboka manan-danja izay manaraka.
"misokatra ho anao ny tany Egypta" na "ny tanin'i Egypta manontolo dia azonao ampiasaina avokoa"
"Ampitoero any Gosena ny rainao sy ireo rahalahinao, izay tany tsara indrindra amin'ny faritra"
Azo ambara avy amin'izany fa mahay mikarakara biby izy ireo. DH: "Raha mahafantatra lehilahy amin'ireo izay manana traikefa amin'ny fikarakarana biby fiompy"
Eto ny "nitso-drano" dia manonona faniriana tsara na zavatra mitondra tombotsoa hitranga eo amin'ny olona iray.
"Firy taona ianao?"
Ny andian-teny "taonan'ny diako" dia ilazana ny fotoana izay niainany teto an-tany nivezivezy teny amin'ny toerana iray nankany amin'ny toerana iray hafa. DH: "nifindrafindra teto an-tany aho nandritra ny 130 taona"
Milaza i Jakoba fa fohy ny androny raha mitahy amin'ny an'i Abrahama sy Isaka.
Nandia fijaliana mafy sy olana na sedra i Jakoba nandritra ny fiainany.
"Ary nandray an-tanana ny rainy sy ireo rahalahiny i Josefa ary nanampy azy ireo hanangana ny toerana izay honenany"
Anarana hafa iantsoana ny tanin'i Gosena izany.
Eto, ny teny hoe "zanaka" dia midika hoe zanaka mbola kely ao anatin'ny fianakaviana. DH: "araka ny hahamaron'ny zazakely ao amin'ny fianakavian'izy ireo"
Nampiasaina izany teny izany mba hanamarihana ny fiatoana ao amin'ny votoatin'ny tantara. Eto ny mpanoratra dia manomboka milaza amintsika ny fizaran-tantara vaovao.
Ilazana ny olona izay mipetraka ao amin'ireo tany ireo izany. DH: "Ny olon'i Egypta sy ny olon'i Kanana"
"tonga nahia sy reraka"
"Nandany ny volan'izy ireo tamin'ny fividianana vary tamin'i Josefa ny olon'ny tany Egypta sy Kanana"
Azo antoka tokoa fa nandamina ireo mpanompony hanangona sy hitondra ny vola i Josefa.
Eto ny "tany" dia ilazana ny olona izay mipetraka ao amin'ny tany. Afaka atao izany hoe: "Rehefa nampiasa ny volany rehetra ny mponin'i Egypta sy Kanana"
"avy any amin'ny tany Egypta sy tany Kanana"
Mampiasa izany fanontaniana izany ny olona mba hanindriana ny fahadisoam-panantenany ny amin'ny fividianana sakafo. Afaka adika ho fanambarana izany fanontaniana izany. DH: "Aoka re, aza avela ho faty izahay nohon'ny nampiasainay ny volanay rehetra!"
Eto ny "mofo" dia ilazana ny sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "Nanome sakafo azy ireo izy" (UDB) na "Namatsy sakafo azy ireo izy"
"tonga teo amin'i Josefa ny olona"
Manondro an'i Josefa amin'ny hoe "tompoko" ny olona. Izany dia fomba mihaja ilazana ny olona izay manana fahefana ambony. DH: "Tsy hiafina aminao tomponay izahay" na "Tsy hiafina aminao izahay"
Eto ny "maso" dia ilazana an'i Josefa. DH: "Tsy manana na inona na inona tavela homena anao izahay, ry tomponay"
Ny teny "maso" dia ilazana ny fahitan'i Josefa. Mampiasa izany fanontaniana izany ny olona mba hanindriana ny fahadisoam-panantenany ny amin'ny fividianana sakafo. Afaka adika ho fanambarana izany fanontaniana izany. DH: "Aoka re, aza mijery anay ho faty sy ny taninay ho simba!"
Lasa tsy misy ilaina azy sy simba ny tany satria tsy misy voa hampanirina; izany no nahatonga ny tany horesahina hoe ho faty.
"ary dia lasan'i Farao ny tany"
"Kanefa tsy mba novidiany ny tanin'ireo mpisorona"
Ny "tombony" dia vola be na sakafo izay omen'ny olona tsy tapaka ny olona iray hafa. Afaka atao izany hoe: DH: "Nanome vola be ho an'ireo mpisorona i Farao isan'andro"
"Nihinana tamin'izay nomen'i Farao izy ireo"
"izay afaka hambolenao"
Ny teny hoe "ampaha-dimy" dia fizarana. DH: "Amin'ny fotoam-pijinjana dia hizara ny vokatra ho ampahany dimy ianareo. Averinaoamin'i Farao ny ampahany iray ho hofany ary ny efatra ambiny no ho anareo manokana"
Afaka ataonao mazava izany. DH: "ho sakafo ho an'ny ankohonanao sy sakafo ho an'ny zanakareo"
Eto ny "maso" dia ilazana ny fisainana na ny hevitra. DH: "Aoka ho faly aminay ianao"
Ny heviny dia manaiky ny olona iray ny olona iray hafa.
"manerana ny tany Egypta" na "manerana an'i Egypta"
ilazana ny fotoana izay nanoratan'ny mpanoratra izany.
Adikao mitovy amin'ny nandikanao ny "ampahadimy" ao amin'i 47:23.
Ny teny hoe "nitombo" dia manazava ny maha "namokatra" azy ireo. DH: "Nanana zanaka maro izy ireo"
Eto ny "Namokatra" dia ilazana ny fanambinana na ny fananana zanaka.
"17 taona"
niaina 147 taona i Jakoba
Miresaka ny fotoana toy ny zavatra izay mandeha ary tonga amin'ny toerana iray izany. DH: "Rehefa nanakaiky ny fotoana hahafatesan'Israely"
Eto ny "maso" dia ilazana ny fisainana na ny hevitra. DH: "Raha nahita fitia aminao aho" na "Raha faly amiko ianao" (UDB)
Tsy midika izany hoe "amin'izao fotoana izao" izany, fa nampiasaina kosa hisarihana ny fifantohana amin'ny teboka manan-danja izay manaraka.
Ny heviny dia manaiky ny olona iray ny olona iray hafa.
Marikin'ny fahamatoran'ny fampanantenana izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 24:1.
Ny anarana hoe "fahatokiana" sy ny "fahamendreham-pitokisana" dia afaka adika ho lasa mpamari-toetra. DH: "ento amin'ny fomba mahatoky sy mendri-pitokisana aho"
Ny teny hoe "aoka" dia manindry ny fangatahana.
Eto ny "mody mandry" dia fomba mihaja ilazana ny fahafatesana. DH: "Rehefa maty aho ka manjoy ireo fianakaviako izay efa maty talohako"
"manaova fampanantenana amiko" na "manaova fihanianana amiko"
"nanao fampanantenana taminy" na "nanao fihanianana taminy"
1 Ary tao aorian'izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa hoe: "Indro, marary rainao." Dia nentiny niaraka taminy ny zanany mirahalahy, Manase sy Efraima. 2 Rehefa nilazana Jakoba hoe: "Indro, Josefa zanakao lahy tonga mba hijery anao," dia nanangona hery Israely ka niarina nipetraka teo am-pandriana. 3 Hoy Jakoba tamin'i Josefa hoe: "Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy tany amin'ny tany Kanana. Nitso-drano ahy Izy 4 ka nanao tamiko hoe: 'Indro, hampamokatra, sy hahamaro anao Aho. Hahatonga firenena maro avy aminao Aho. Dia homeko ny taranakao ity tany ity ho fananana mandrakizay.' 5 Ary ireo zanakao mirahalahy, izay teraka ho anao teto Egypta talohan'ny nanatonako anao ho eto Egypta, dia ahy. Efraima sy Manase dia ho ahy, tahaka ny maha ahy an'i Robena sy Simeona. 6 Ny zaza teraka aorian'izy ireo no ho anao; ho tanisain'izy ireo ny anaran'ireo rahalahiny araka ny lovan'izy ireo. 7 Ary izaho, fony aho avy any Padana-Arama, dia maty teo anatrehako teny an-dalana tany amin'ny tany Kanana i Rahely, raha kely sisa no tsy nahatongavanay tao Efrata. Naleviko teny an-dalana ho any Efrata izy" (izay atao hoe, Betlehema). 8 Koa rehefa hitan'i Israely ireo zanak'i Josefa, dia hoy izy hoe: "An'iza moa ireto?" 9 Dia hoy Josefa tamin-drainy hoe: "Zanako ireo, izay nomen'Andriamanitra ahy taty." Dia hoy Israely hoe: "Ento mankaty amiko izy ireo, mba hitsofako rano azy." 10 Ary efa nanjavona ny mason'i Israely nohon'ny fahanterany, ka tsy afaka mahita izy. Dia nampanatonin'i Josefa azy izy ireo noho izany, ka nanoroka sy namihina azy ireo izy. 11 Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Tsy nanantena ny hahita ny tavanao indray aho, nefa navelan' Andriamanitra ho hitako na dia ny zanakao aza." 12 Dia nesorin'i Josefa teo anelanelan'ny lohalik'i Israely izy ireo, ary niankohoka tamin'ny tany izy. 13 Dia nalain'i Josefa izy mirahalahy, Efraima teo an-tanan-kavanany ho eo an-tanan-kavian'i Israely, ary Manase teo an-tanan-kaviany manatrika ny an-tanan-kavanan'i Israely, ka nitondra azy ireo mba hanakaiky azy. 14 Dia natsotran'i Israely ny tanany havanana ka napetrany teo ambonin'ny lohan'i Efraima, ilay zandriny, ary ny tanany havia teo ambonin'ny lohan'i Manase. Nampifamadihany ny tanany, satria Manase no lahimatoa. 15 Dia nitso-drano an'i Josefa i Israely, ka nanao hoe: "Ilay Andriamanitra izay nandeha teo alohan'i Abrahama sy Isaka, ilay Andriamanitra izay niahy ahy mandrak'ankehitriny, 16 ilay anjely izay niaro ahy tamin'ny ratsy rehetra anie, hitahy ireto zaza lahy ireto. Ho tononina ao amin'izy ireo anie ny anarako, ary ny anaran'i Abrahama sy Isaka razako. Hihamaro eto an-tany anie izy ireo." 17 Koa rehefa hitan'i Josefa fa napetraky ny rainy teo amin'ny lohan'i Efraima ny tanany an-kavanana, dia tsy nankasitraka izany izy. Dia nesoriny tsy ho eo amin'ny lohan'i Efraima ny tanan'ny rainy ka nafinfrany teo ambonin'ny lohan'i Manase. 18 Dia hoy Josefa tamin'ny rainy hoe: "Tsy izao no izy, ry raiko; fa ity no lahimatoa. Apetraho eo ambonin'ny lohany ny tananao an-kavanana." 19 Dia nandà ny rainy ka nanao hoe: "Fantatro, ry zanako, fantatro. Ho tonga firenena, sy ho tonga lehibe ihany koa izy. Ary ny zandriny koa dia ho lehibe noho izy, ary ho tonga firenena maro ny taranany." 20 Izao teny izao no nitsofan'i Israely rano azy ireo tamin'izany andro izany: "Amin'ny anaranareo no hanononan'ny vahoakan'i Israely fitahiana hanao hoe: 'Andriamanitra anie hahatonga anareo tahaka an'i Efraima sy Manase.'" Izany no fomba, nametrahan'i Israely an'i Efraima ho eo alohan'i Manase. 21 Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Indro, efa ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anao, ary hitondra anao hiverina any amin'ny tanin'ireo razanao. 22 Ho anao, izay ambony noho ireo rahalahinao, dia omeko anao ny zaratany izay nalaiko tamin'ny Amorita tamin'ny sabatro sy ny tsipikako."
Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny fizaran-tantara vaovao.
"nisy olona nilaza tamin'i Josefa"
"Indro, (...) rainao." Eto ny teny hoe "indro" dia nampiasaina hisarihana ny fifantohan'i Josefa.
"Dia nentin'i Josefa"
Afaka atao izany hoe: DH: "Raha nisy nilaza tamin'i Jakoba" (UDB)
"tonga eto aminao i Josefa zanakao lahy"
Eto ny mpanoratra dia miresaka ny miezaka miharina hipetraka eo am-pandriana toy ny hoe manangona "hery" toy ny olona izay manangona zavatra tena misy. DH: "Nanao ezaka mafy Israely mba hipetraka eo am-pandriana" na "'Niady ny hipetraka eo am-pandriana Israely"
Anaran-tanàna izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:18.
Afaka adika amin'ny fehezanteny vaovao izany antomboka amin'ny toerana samihafa. DH: "ao amin'ny tany Kanana, dia nitahy ahy izy. Ary nilaza tamiko hoe"
Ilazana ny fanononan'Andriamanitra tso-drano ho an'ny olona iray izany.
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "ary niteny tamiko fa hampamokatra sy hahamaro ahy. Ary, nilaza tamiko fa hanao ahy ho firenena maro ary hanome ity tany ity ho fananana mandrakizay."
Nampiasa ny teny hoe "indro" Andriamanitra eto mba hanairana an'i Jakoba mba hitandrina tsara izay holazainy aminy.
Ny andian-teny "hahamaro anao" dia manazava ny fomba hanaovan'Andriamanitra an'i Jakoba "'hamokatra." DH: "Hanome anao taranaka maro tokoa aho"
Eto ny "ianao" dia ilazana an'i Jakoba, kanefa dia manondro ireo taranak'i Jakoba izany. DH: "Ataoko ho tonga firenena maro ireo taranakao"
"fananana maharitra"
Eto ny "Ary" dia tsy midika hoe "ankehitriny," fa kosa nampiasaina hisarihana ny fifantohana amin'ny teboka manan-danja manaraka.
Efraima sy Manase dia samy hahazo zara amin'ny tany toy ireo rahalahin'i Josefa.
Ireo mety ho heviny dia 1) ny sisa amin'ireo zanak'i Jakoba dia handova ny tany toy ny zara fokon'i Efraima sy Manase na 2) homena tany mitokana avy amin'i Efraima sy Manase i Josefa ary ireo zanak'i Josefa dia handova ny tany. DH: " ary ho an'ireo mpandova anao, dia hotanisainao araka ny anaran'ireo rahalahiny izy ireo"
Anarana hafa iantsoana ny tanànan'i Betlehema izany. Jereo ny nandikanao izany anaran-tanàna izany ao amin'ny 35:16.
Manome fampahafantara fototra ny mpanoratra.
"Zanak'iza ireto?"
Ny ray matetika dia manonona tso-drano ho fitahiana amin'ireo zanany na zafiny.
Ny teny hoe "Ary" eto dia nampiasaina hanamarihana ny fiovana avy amin'ny tantara ho amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Israely.
"Nanoroka azy ireo Israely"
Eto ny "tava" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "hahita anao indray"
Raha mametraka ireo zanany lahy teo amin'ny fe na ny lohalik'Israely i Josefa, izany dia marika fa hanangana azy ireo Israely. Manome zom-pandovana manokana an'ireo zaza avy amin'i Jakoba izany.
niankohoka tamin'ny tany i Josefa haneho fanomezam-boninahitra ny rainy.
Nametraka ireo zazalahy i Josefa mba hametrahan'i Israely ny tanany ankavanana amin'i Manase. Manase no lahimatoa ary ny tanana ankavanana dia marika fa hahazo ilay fitahiana lehibe izy.
Ny mametraka ny tanany havanana eo amin'ny lohan'i Efraima dia famantarana fa izy no hahazo ilay fitahiana lehibe.
Eto i "Josefa" dia ilazana an'i Efraima sy Manase. Koa satria i Josefa ny rainy, dia izy ihany no voantonona eto.
Ny fanompoana an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe mandeha eo anoloan'Andriamanitra. DH: "Ilay Andriamanitra izay notompoin'i Abrahama sy Isaka"
Niahy an'i Israely toy ny mpiandry ondry izay miahy ny ondriny Andriamanitra. DH: "izay niahy ahy toy ny mpiandry ondry izay miahy ireo biby fiompiny"
Ireo mety ho heviny dia 1) ilazana ilay anjely izay nirahan'Andriamanitra hiaro an'i Jakoba izany na 2) ilazana an' Andriamanitra izay naka endrika anjely ka niharo an'i Jakoba.
"nanavotra ahy"
Eto ny "anarana" dia ilazana olona. Ny andian-teny "ho tononina ao amin'izy ireo anie ny anarako" dia fomba fiteny izay midika fa ny olona iray dia tsaroana nohon'ny olona iray hafa. Afaka atao izany hoe: DH: "Ho tsaroan'ny olona anie Abrahama, Isaka, ary izaho noho Efraima sy Manase"
Eto ny "izy ireo" dia ilazana an'i Efraima sy Manase, kanefa ilazana ireo taranak'izy ireo. DH: "Hanana taranaka maro anie izy ireo izay hiaina manerana ny tany manontolo"
Ny tanana ankavanana dia marikin'ny fitahiana lehibe izay natao ho an'ny lahimatoa.
Eto ny "izy" dia ilazana an'i Manase, kanefa ilazana an'ireo taranany ihany koa izany. DH: "Hanana zanaka maro ireo taranakao, ary ho tonga firenena lehibe izy ireo"
Eto ny "teny" dia ilazana izay voalaza. DH: " tamin'izany andro izany, nilaza hoe"
"Hiresaka ny anaranareo ny vahoakan'i Israely rehefa manonona fitahiana ho an'ny hafa"
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Amin'ny anaranareo. No hangatahin'izy ireo amin'Andriamanitra mba hanao ny hafa ho toan'i Efraima sy Manase ihany koa"
Ny fanonon'Andriamanitra ny anaran'i Efraima mialoha dia fomba ilazana fa Efraima dia ho lehibe noho i Manase.
Ny manome tso-drano lehibe an'i Efraima sy ny manao azy hanan-danja kokoa noho i Manase dia resahina toy ny hoe tena eo anoloan'i Manase tokoa i Efraima.
Eto ny "ianao" sy "..nao" dia ilazana ny vahoaka Israely rehetra.
Fomba fiteny izay midika izany fa Andriamanitra dia hanampy sy hitahy ny vahoaka Israely. DH: "Hanampy anao Andriamanitra" na "Hitahy anao Andriamanitra"
Eto ny "mitondra" dia azo adika ihany koa hoe "maka"
"tanin'ireo razambenao"
Ireo mety ho heviny dia 1) Ny fananan'i Josefa voninahitra sy fahefana ambony noho ireo rahalahiny dia resahina toy ny tena hoe ambony noho izy ireo izy. DH: "Ho anao, izay lehibe noho ireo rahalahinao, no homeko ny "zaratany" na ny "tany kisolosolo" na 2) tian'i Jakoba ambara fa hanome tany betsaka kokoa an'i Josefa izy mihoatra noho izay homeny ireo rahalahin'i Josefa. DH: "Homeko, anao ny tany lemaka iray mihoatra noho izay omeko ireo rahalahinao. Homeko anao ny tendrombohitrin'ny "zaratany" na ny "tany kisolosolo"
Eto ny "ianao" dia ilazana an'i Josefa.
Eto ny "sabatra" sy ny "tsipika" dia ilazana ny fifanandrinana amin'ny ady. DH: "ilay ampahan-tany izay niadivako sy nalaiko tamin'ireo Amorita"
1 Avy eo nampiantso ireo zanany lahy Jakoba, ary niteny hoe: "Miangona ianareo, mba hafahako milaza aminareo izay hitranga aminareo amin'ny ho avy. 2 Mivoria ary mihainoa, ianareo ry zanaka lahin'i Jakoba. Mihainoa an'i Israely, rainareo. 3 Ry Robena, ianao no lahimatoako, ny maheriko, ary ny fiandohan'ny heriko, miavaka amin'ny fahamendrehana, ary miavaka amin'ny fahefana. 4 Tsy voafehy toy ny rano mandeha mafy, no tsy hahazo ny lohany ianao, satria niakatra teo amin'ny fandrian'ny rainao ianao. Avy eo nandoto izany ianao; niakatra teo amin'ny fandriako ianao. 5 Simeona sy Levy dia mpirahalahy. Ireo fitaovam-piadian'ny herisetra no sabatr'izy ireo. 6 Ry fanahiko, aza miditra ao amin'ireo filan-kevitr'izy ireo; aza miditra ao amin'ny fivorian'izy ireo, fa ny foko be voninahitra loatra raha ho an'izany. Fa tao anatin'ny hatezeran'izy ireo no namonoany olona. Ho fahafinaretana no nitraingoin'izy ireo omby. 7 Aoka hozonina ny hatezeran'izy ireo, fa nasiaka izany—ary ny faharomotan'izy ireo, fa loza be izany. Hizara azy ireo any amin'i Jakoba aho ary hampiely azy ireo any amin'i Israely. 8 Ry Joda, hidera anao ireo rahalahinao. Ho eo am-bozon'ireo fahavalonao ny tananao. Hiankohoka eo alohanao ireo zanaka lahin'ny rainao. 9 Joda dia zana-diona. Ry zanako lahy, niakatra tamin'ireo fandresenao ianao. Dia niondrika izy, nitampify toy ny liona, toy ny liona vavy. Iza no hahasahy hamoha azy? 10 Ny tehim-panjakana dia tsy hiala eo amin'i Joda, na ireo tehin'ireo mpanapaka eo anelanelan'ny tongony, mandra-pahatongan'i Silo. Hankatoa azy ireo firenena. 11 Namatotra ny ampondrany teo amin'ny voaloboka, ary ny zana-birikiny teo amin'ny voaloboka voasafidy, dia nanasa ireo fitafiany tao anatin'ny divay izy, ary ny akanjo lavany tao anatin'ny ràm-boaloboka. 12 Ho mainty toy ny divay ireo masony, ary ho fotsy toy ny ronono ireo nifiny. 13 Hipetraka eo amoron-dranomasina i Zebolona. Ho seranan'ireo sambo izy, ary hihitatra any Sidona ny fari-taniny. 14 Isakara dia ampondra matanjaka, mandry anelanelan'ireo valan'ondry. 15 Mahita toerana fialan-tsasatra tsara sy tany mahafinaritra izy. Hanondrika ny sorony ho amin'ny enta-mavesatra izy ary ho lasa mpanompo ho an'ny asa. 16 Hitsara ny vahoakany toy ny iray amin'ireo fokon'i Israely i Dana. 17 Ho bibilava akaikin'ny lalana i Dana, bibilava misy poizina eo amin'ny lalana izay manaikitra ireo ombelahin-tongotry ny soavaly, ka mianjera ny mpitaingina izany. 18 Miandry ny famonjenao aho, ry Yaveh. 19 Gada—hanafika azy ny andiany, fa hanafika azy ireo eo amin'ny ombelahin-tongon'izy ireo izy. 20 Ho tsara ny sakafon'i Asera, ary hamatsy hanim-py ny mpanjaka izy. 21 Naftaly dia diera vavy novahana, hanana biby tsara tarehy izy. 22 Josefa dia sampam-bokatra, sampam-bokatra akaiky lohataona, izay ny sampany dia mananika mihoatry ny fefy. 23 Ireo mpandefa tsipika dia hanafika azy ary hitifitra azy sy hampijaly azy. 24 Fa ny tsipikany dia hijanona hateza, ary ireo tanany dia hahay hanao noho ny tanan'ilay Maherin'i Jakoba, noho ny anaran'ny Mpiandry ondry, ny Vatolampin'i Israely. 25 Ny Andriamanitry ny rainao dia hanampy anao ary ny Andriamanitra Tsitoha hitahy anao amin'ireo fitahian'ny lanitra ambony, ireo fitahian'ny lalina izay nandry ambany, ary ireo fitahian'ny tratra sy kibo. 26 Ireo tso-dranon'ny rainao dia lehibe noho ireo fitahian'ireo tendrombohitra taloha na ireo zavatra irian'ireo havoana taloha. Ho eo an-dohan'i Josefa anie ireo, dia eo amin'ny satro-boninahitry ny lohan'ny printsin'ireo rahalahiny mihintsy. 27 Benjamina dia amboadia noana. Amin'ny maraina dia handrapaka ny haza izy, ary amin'ny hariva dia hizara ny voaroba izy." 28 Ireo no foko roa ambin'ny folon'i Israely. Izany no nolazain'ny rainy tamin'izy ireo rehefa nitso-drano azy ireo izy. Ny tsirairay avy dia notsofina rano tamin'ny fitsofan-drano mifanaraka avy. 29 Dia nandidy azy ireo izy ary nanao tamin'izy ireo hoe: "Efa andeha any amin'ny vahoakako aho. Aleveno miaraka amin'ireo razam-beko ao am-pasana izay ao amin'ny sahan'i Efrona Hetita aho, 30 ao amin'ny fasana izay ao amin'ny sahan'i Makpela, izay akaikin'i Mamre ao amin'ny tany Kanàna, ny saha izay novidian'i Abrahama ho toerana fandevenana tany amin'i Efrona Hetita. 31 Tao no nandevenan'izy ireo an'i Abrahama sy Saraha vadiny; tao no nandevenan'izy ireo an'Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao no nandevenako an'i Lea. 32 Ny saha sy ny fasana izay tao anatin'izany dia novidiana tamin'ireo vahoakan'i Heta. 33 Rehefa vitan'i Jakoba tamin'ireo zanany izany didy izany, dia namonkina ny tongony ho eny am-pandriana izy, dia niala aina, ary nandeha nankany amin'ny olony.
Manomboka eto ny tsodranon'i Jakoba farany ho an'ireo zanany lahy. Mitohy hatrany amin'ny 49:27 izany. Ny fanoratan'i Jakoba dia natao miendrika asa soratra kanto.
Ireo fehezanteny roa ireo dia milaza zavatra iray ary natao hanasongadinana izany. DH: "Manantòna ary mihainoa tsara ny rainareo"
Manondro ny tenany amin'ny hoe Jakoba i Israely. Afaka atao izany hoe: DH: " ianareo zanako. Mihainoa ahy, rainareo"
Ny andian-teny "lahimatoako, ny maheriko" sy ny "ny fiandohan'ny heriko" dia midika zavatra mitovy ihany. Ny teny hoe "mahery" sy "hery" dia ilazana ny fahafahan'i Jakoba mamokatra zanaka. Ny teny hoe "lahimatoa" sy "fiandohana" dia midika fa i Robena no zaza voalohany. DH: "ny zanako voalohany nahatonga ahy ho ray"
Afaka atao ho lasa fehezan-teny vaovao izany. DH: "Ianao no ho voalohany amin'ny voninahitra sy ny fahefana" na "hihoatra ny olona rehetra ianao amin'ny voninahitra sy ny fahefana"
Mampitahy an'i Robena amin'ny rano entin'ny herin-driaka i Jakoba mba hanindrina fa tsy hahafehy ny hatezerany izy ary tsy tony.
"tsy ho lohany amin'ireo rahalahinao ianao"
Eto ny "fandriana" dia ilazana an'i Bila vaditsindranon'i Jakoba. Nilaza ny niarahan'i Robena natory tamin'i Bila izany. DH: "satria ianao nandeha tao am-pandriako ary niara-nandry tamin'i Bila vaditsindranoko. Nampahamenatra ahy ianao"
Ireo fanambarana roa ireo dia manana hevitra mitovy.
Tsy midika fotsiny izany hoe mpirahalahy iray tampoho izy ireo.Tian'i Jakoba hasongadina ihany koa fa niara-niasa namono ny olona tao Sekema ihany koa izy ireo.
"Mampiasa ny sabany izy ireo handratrana sy hamonoana olona"
Mampiasa ny teny hoe "fanahy" sy "fo" i Jakoba ilazany ny tenany sy izay lazain'ny olona azy, ary mety ilazan'Andriamanitra azy koa, hanome voninahitra azy fatratra tokoa ka tsy tiany ny hanaraka ireo izay manao tetika ratsy.
Ireo fehezanteny roa ireo dia milaza zavatra iray ihany. Namperahan'i Jakoba ireo mba hanasongadinany fa izy dia tsy nandray anjara na niray petsapetsa tamin'ny teti-dratsy. DH: "Tsy hiaraka tokoa amin'izy ireo hanao teti-dratsy aho"
Ilazana an'i Simeona sy Levy mandratra omby ho an'ny fialambolin'izy ireo ihany.
Ilazana ny fanapahana ireo oza-pen'ny biby mba tsy hahafahany mandeha izany.
Ny fanozonan'Andriamanitra an'i Simeona sy Levy dia resahina toy ny hoe manozona ny hatezeran'izy ireo sy ny faharomotany. Afaka atao izany hoe: DH: "Niteny ny tompo hoe, 'hanozona azy ireo aho nohon'ny faharomotan'ny fahatezerany sy ny fahavinirany loza be" na "Izaho, ilay Tompo, dia hanozona azy nohon'ny faharomotan'ny fahatezerany sy ny fahavinirany loza be"
Amin'ny faminaniana, ny mpaminany matetika dia miresaka ny tenin'Andriamanitra toy ny hoe Andriamanitra mivantana no miresaka. Manindry ny fifandraisana akaiky amin'ilay mpaminany sy Andriamanitra izany.
Ny teny hoe "hozoniko" dia azo avy hatrany. DH: "ary hozoniko ny faharomotan'izy ireo satria loza be izany"
Ny teny hoe "Izaho" dia ilazana an'Andriamanitra. Ny teny hoe "azy ireo" dia ilazana an'i Simeona sy Levy kanefa izy ireo dia sarinteny ilazana an'ireo taranany. Ny teny hoe "Jakoba" sy "Israely" dia sarinteny ilazana ny vahoakan'Israely rehetra. DH: "Hizara ireo taranany ary hampiely azy ireo eo amin'ny vahoakan'Israely aho"
Mitovy ihany ny dikan'ireo fanambarana ireo.
Ny fehezanteny faharoa dia mampitombina ilay fehezanteny voalohany. Ny teny "satria" sy "nohon'ny" dia azo ampiana eto hampahazava izany. DH: "hidera anao. Fa ny tananao" na "hidera anao nohon'ny tananao"
Fomba hilazana ny hoe "handresy ireo fahavalonao ianao"
Ny heviny dia mandohalika haneho fanetre-tena sy hampiseho fanajana sy voninahitra manolona ny olona iray.
Miresaka an'i Joda toy ny zana-diona i Jakoba. Manindry ny herin'i Joda i Jakoba. DH: "Toy ny liona tanora i Joda" (UDB)
"ianao, ry zanako lahy, dia niverina avy tamin'ny fihinanana ny hazanareo"
Nampitahy an'i Joda tamin'ny liona vavy ihany koa i Jakoba. Ny liom-bavy no voalohany amin'ny fihazana sy ny fiarovana ireo zanany.
Nampiasa izany fanontaniana izany Jakoba mba hanindrina ny fahatahoran'ny olona an'i Joda. DH: "Tsy misy olona te hamoha azy"
Ny "tehina" dia hazo lava voaravaka izay entin'ny mpanjaka. Eto izany dia sarinteny ilazana ny fahefan'ny olona hanapaka. Ary ny "Joda" dia ilazana ireo taranany. DH: "Ny fahefana hanjaka dia ho eo amin'ny taranak'i Joda mandrakizay"
Ireo mety ho heviny dia 1)"Silo" dia midika hoe "fanomezam-boninahitra." DH: "mandra-pankatoa van'ireo firenena azy sy hitondrany fanomezam-boninahitra ho azy" na 2)"Silo" dia ilazana ny tanànan'i Silo. DH: "mandrapahatongan'ny mpanapaka any Silo. Ary dia hankatoa azy ireo firenena." Maro ny olona mihevitra izany ho faminaniana mahakasika an'ilay Mesia izay avy amin'ny taranak'i Davida. Taranak'i Joda i Davida.
Eto ny "firenena" dia ilazana ireo olona. DH: "Hankatoa azy ireo olon'ny firenena"
Milaza zavatra iray ihany izany fanambarana roa izany. Hita avy amin'izany fa vokatra be ilay voaloboka ka tsy mampaninona ny tompony na dia mihinana amin'izany aza ilay apondra.
Ireo mety ho heviny dia 1)ilazana ireo taranak'i Jakoba. DH: "azy ... ireo" na 2) ilazana ilay mpanapaka ao amin'ny 49:10, izay mety ilazana ilay Mesia.
Milaza zavatra iray ihany izany fanambarana roa izany. Hita avy amin'izany fa betsaka ny voaloboka ka afaka manasa ny ankanjony amin'ny ranon'izany izy ireo.
Matetika amin'ny faminaniana ny tranga izay hiseho amin'ny ho avy dia manoritsoritra zavatra izay efa nitranga tamin'ny lasa. Manasongadina izany fa hiseho tokoa izany tranga izany. DH: "hanasa izy ireo" na "hanasa izy"
Miresaka ny ranom-boaloboka toy ny rà izany. Manindry ny lokon'ny ranomboakazo izay mena izany.
Ilazana ny lokon'ny mason'ny olona amin'ny lokon'ny voaloboka mena izany. Ireo mety ho heviny dia 1) ny maso mainty dia manambara fa salama ny olona iray na 2) mena ny mason'ny olona misotro divay be loatra.
Mampitahy ny lokon'ny nifin'ny olona amin'ny lokon'ny ronono izay fotsy. Milaza izany fa ho maro ireo ombivavy salama tsara izay ho be ronono ho sotroina.
Ilazana ireo taranak'i Zebolona izany.
Eto ny "izy" dia ilazana ny tanàna eny amoro-dranomasina izay hatsangana na hipetrahan'ireo mponin'ny Zebolona. Ireo tanàna ireo dia ho fialofana ho an'ireo sambo.
ampahany ao amin'ny ranomasina izay manakaiky ny tany sy toerana azo antoka ho an'ireo sambo.
Miresaka momba an'i Isakara sy ireo taranany toy ny apondra i Jakoba. Manasongadina izany fa hiasa mafy izy ireo. DH: "Ho tahaka ireo apondra matanjaka ireo taranak'Isakara"
Matetika amin'ny faminaniana ny tranga izay hiseho amin'ny ho avy dia manoritsoritra zavatra izay efa nitranga tamin'ny lasa. Manasongadina izany fa hiseho tokoa izany tranga izany. DH: "Isakara dia (...) tokoa" na "Ireo taranak'Isakara dia"
Eto ny "Isakara" dia ilazana ireo taranany. DH: "Ireo taranak'Isakara dia" ... Mahita ...
Ireo mety ho heviny dia 1)mandry anelanelan'ny zavatra izay entin'izy ireo" na 2)mandry anelanelan'ireo ondry." Na izany aza, i Jakoba dia miresaka ireo tantaran'i Isakara toy ny apondra izay avy niasa mafy ka mitsotra miala sasatra.
"ny toerana fialan-tsasatra dia tsara sy tany izay mahafinaritra"
Ny andian-teny "Hanondrika ny sorony ho amin'ny enta-mavesatra" dia midika "ho fanaovana asa mafy amin'ny fitondrana entana"
"hiasa ho andevon'ny hafa"
Eto ny "Dana" dia ilazana an'ireo taranany. DH: "ireo taranak'i Dana dia hitsara ireo olony"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny vahoakan'i Dana" na 2) "ny olon'Israely"
Miresaka mahakasika an'i Dana sy ireo ankohonany i Jakoba toy ny hoe bibilava izy ireo. Na dia kely aza ny bibilava, dia mety hampianjera ny mpitaingin-tsoavaly. Noho izany, na dia foko kely aza i Dana, dia tena mampidi-doza ireo fahavalony. DH: "Ho tahaka ny bibilava eny amin'ny lalana ireo taranak'i Dana"
Ny anarana hoe "famonjena" dia azo atao hoe "voavonjy." DH: "Hiandry anao aho, ry Yaveh, hanavotra ahy"
Ny teny hoe" izaho" dia ilazana an'i Jakoba.
Ilazana ireo taranaky ny lehilahy tsirairay izany.
Eto ny "ombelahin-tongotra" dia ilazana ireo mpanafika izay mitsoaka an'ireo taranak'i Gada.
Eto "ny tsara" dia ilazana hoe "matsiro"
Miresaka ny taranak'i Naftaly toy ny diera vavy novahana ka afaka mihazakazaka i Jakoba. Mety manasongadina izany fa hiova ho mpitondra hafatra izy ireo. DH: "Ho tahaka ny diera vavy afaka ireo taranak'i Naftaly"
zanaka diera no lazainy amin'izany. Ny tena dikan'ny teny Hebreo dia tsy mazava loatra. Misy dikan-teny sasany mandika izany hoe "manana teny tsara" na "miresaka zavatra tsara"
Eto ny Josefa dia sarinteny ilazana ireo taranany. Resahan'i Jakoba toy ny sampana izay mamokatra voa maro izany. Manindry izany fa hitombo fatratra ny isan'izy ireo.
ilay tena sampan'ilay hazo
Ny fanirian'ny sampana mihoatra ny fefy dia resahina toy ny hoe mananika izany.
Nanohy nitahy an'i Josefa sy ireo taranany i Jakoba.
Ny fitazoman'ny olona ny tsipika dia resahina toy ny hoe ny tsipika no mijoro ho azy. Hita avy amin'izany fa mitazona ny tsipika izy hikendry ny fahavalo. DH: "hitazona ny tsipika izy raha mikendry ny fahavalony"
Ilazana an'i Josefa sy ireo taranany izany. DH: "ireo tsipikan'izy ireo ...ireo tanan'izy ireo"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny sandrin'ny olona izay mitazona ny tsipika mijoro tsara. DH: "hatanjaka ny sandriny raha mikendry ny tsipikany izy"
Ny "tanana" dia ilazana ny herin'i Yaveh. DH: "Ilay herin'ilay Mahery indrindra"
Eto ny anarana dia ilazana ny olona manontolo. DH: "nohon'ny mpiandry ondry"
Miresaka an'i Yaveh toy ny "mpiandry ondry" i Jakoba. Manasongadina izany fa mitantana sy miharo ny olony Yaveh.
Miresaka an'i Yaveh toy ny "Vatolampy" izay hiakaran'ny olona mitady fialofana amin'ny fahavalony i Jakoba. Manasongadina izany fa miharo ny olony Yaveh.
Nanohy nitahy an'i Josefa sy ireo taranany i Jakoba.
Eto ny "anao" dia ilazana an'i Josefa sy ireo taranany. DH: "hanampy ireo taranany ... hitahy azy ireo"
Eto ny "lanitra" dia ilazana ny orana izay manampy ny vokatra haniry.
Eto ny "lalina" dia ilazana ny rano ambanin'ny tany izay manampy ny ony sy ireo fatsakana.
Eto ny "tratra sy ny kibo" dia ilazana ny hanan'ny reny zanaka sy ny hahafahany mamahana azy ireo amin'ny ronono.
Nanohy nitahy an'i Josefa sy ireo taranany i Jakoba.
Ny dikan'ny lahatsoratra niaingana dia tsy fantatra tsara. Misy baiboly sasany mandika izany hoe "ireo razambeko" raha tokony hoe "ireo havoana taloha."
Eto ny ireo dia ilazana ny tsodranon-drainy.
Maniry ireo fitahiana ireo hifindra amin'ireo ambony indrindra amin'ireo taranany i Jakoba. DH: "eo an-dohan'ny olona manan-danja indrindra amin'ireo taranak'i Josefa"
"ny olona ambony indrindra amin'ireo rahalahiny"
Eto ny Benjamina dia sarinteny ilazana ireo taranany. Miresaka ireo taranak'i Benjamina ho toy ny amboadia noana i Jakoba. Manasongadina izany fa ho toy ny mpiady masika izy ireo. DH: "Ho tahaka ny amboadia noana ireo taranak'i Benjamina"
"Ireo" dia ilazana ireo zanaka lahin'i Jakoba izay voatonina ao amin'ny 49:1-27. Ny zanaka lahy tsirairay dia ho tonga mpitarika ny fokony avy.
Eto ny "mitsodrano" dia ilazana ny fanononana fitahiana.
"Nanome tsodrano sahaza ny zanany lahy tsirairay avy izy"
"nibaiko azy ireo"
Fomba mihaja ilazana ny fahafatesan'ny olona izany. DH: "Efa ho faty aho"
Milaza ny hafatesan'ny vatany i Jakoba. Manantena ny hahita an'i Abrahama sy Isaka izy ao aorian'ny fahafatesan'ny vatany.
Anaran-dehilahy izany. Ny "Hetita" dia midika hoe "taranak'i Heta". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.
Makpela dia anarana faritra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.
Anarana hafa iantsoana ny tanànan'i Hebrona izany. Anaran'ilay lehilahy izay tompon'ireo hazo terebinta izany, izay naman'i Abrahama nipetraka tao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:16.
Nanohy niresaka tamin'ireo zanany lahy i Jakoba.
DH: "izany dia novidian'i Abrahama"
"avy amin'ireo Hetita"
"nahavita nanome baiko ireo zanany lahy" na " nahavita nandidy ireo zanany lahy"
Nipetraka teo am-pandriana i Jakoba. Ary namadika ary nametraka ny tongony hitsotra teo am-pandriana izy.
Fomba mihaja ilazana ny fahafatesan'ny olona izany.
Rehefa maty i Jakoba dia nandeha nanjohy ireo havany izay efa maty talohany ny fanahiny
1 Ary nalahelo mafy Josefa ka dia nihohoka teo amin'ny tavan'ny rainy, sy nitomany teo aminy, ary nanoroka azy izy. 2 Nandidy ireo mpitsabo mpanompony i Josefa mba hanositra zava-manitra ny rainy. Ary dia nosoran'ireo mpitsabo zava-manitra i Israely. 3 Naka efapolo andro izy ireo, fa izany no fetr'andron'ny fanosorana. Nitomany azy nandritry ny fitopolo andro ireo Egyptian. 4 Rehefa tapitra ny andro fisaonana, dia niresaka tamin'ny tao an-tranon'i Farao i Josefa niteny hoe: "Raha mba efa nahita sitraka teo imasonareo aho, dia mba lazao re Farao hoe: 5 'Efa nampianiana ahy ny raiko, niteny hoe: "Indro, efa ho faty aho. Haleveno ao amin'ny fasana izay efa nohadiko ho ahy any amin'ny tany Kanana aho. Any no handevenanao ahy." Ankehitriny avelao aho hiakatra ary handevina ny raiko, ary hiverina aho avy eo.'" 6 Farao namaly hoe: "Mandehana ary haleveno ny rainao, araka ny nampianianany anao." 7 Niakatra handevina ny rainy Josefa. Niaraka nandeha taminy ireo mpanapak'i Farao rehetra— ireo olona ambony tao an-dapany, ary ireo lehiben'ny mpanapaka rehetra tao amin'ny tany Egypta, 8 mbamin'ireo ankohonan'i Josefa sy ireo rahalahiny rehetra, ary ny ankohonan-drainy. Fa ireo zanany, ireo ondry aman'osy, ary ny ombin'izy ireo kosa no navela tao amin'ny tany Gosena. 9 Niaraka taminy ihany koa ireo kalesy sy ireo mpitaingin-tsoavaly. Dia vahoaka maro be izany. 10 Rehefa tonga teo amin'ny famoloanan'i Goren-atada ampitan'i Jordana izy ireo, dia nisaona mafy sy tamin'ny fahoriana lehibe izy ireo. Nanao fisaonana fito andro ho an'ny rainy teo Josefa. 11 Nony hitan'ireo mponin'ny tany, Kananita, ny fisaonana teo amin'ny famoloanan'i Goren-atada, dia hoy izy ireo hoe: "Fotoana tena mampalahelo ho an'ireo Egyptiana izao." Izany no nahatonga ny toerana nantsoina hoe Abela-Mizraima, izay ao an-dafin'i Jordana. 12 Ary dia nataon'ireo zanany lahy tamin'i Jakoba araka izay nandidiany azy ireo. 13 Nolanjain'ireo zanany lahy nankany amin'ny tany Kanana izy ary nalevin'izy ireo tao an-dava-bato tao amin'ny sahan'i Makpela, akaikin'i Mamre. Novidian'i Abrahama ho toerana fandevenana ny lava-bato mbamin'ny saha. Novidiany tamin'i Efrona Hetita izany. 14 Rehefa voaleviny ny rainy, dia niverina tany Egypta i Josefa, izy, sy ireo rahalahiny, ary ireo rehetra izay niaraka taminy mba handevina ny rainy. 15 Rehefa hitan'ireo rahalahin'i Josefa fa maty ny rain'izy ireo, dia hoy izy ireo hoe: "Ahoana raha mbola mitàna hatezerana amintsika Josefa ary te-hamaly antsika ny amin'izay ratsy rehetra nataontsika taminy?" 16 Koa dia nandidy ny fanatrehan'i Josefa izy ireo, niteny hoe: "Efa nanome baiko ny rainao talohan'ny nahafatesany, niteny hoe: 17 'Lazao amin'i Josefa izao: "Mamelà re ny fandikanan-dalàna sy ny fahotan'ireo rahahalahinao tamin'izay ratsy nataon'izy ireo taminao.'" Ankehitriny dia mamelà re ireo mpanompon'Andriamanitry ny rainao." Nitomany i Josefa rehefa niresaka taminy izy ireo. 18 Nandeha ihany koa ireo rahalahiny ary nanohoka ny tavany teo anatrehany. Hoy izy ireo hoe: "Indreto, izahay mpanomponao." 19 Fa Josefa namaly azy ireo hoe: "Aza matahotra. Moa eo amin'ny toeran' Andriamanitra ve aho? 20 Fa ianareo, dia nihevitra ny hanao ratsy ahy, nefa Andriamanitra dia nihevitra izany ho amin'ny tsara, mba hiarovana ny ain'ny vahoaka maro, araka ny itanareo anio. 21 Koa ankehitriny aza matahotra. Hamatsy anareo sy ny zaza madinikareo aho." Nampionona azy ireo toy izany izy ary niresaka tam-pitiavana tamin'ny fon'izy ireo. 22 Nipetraka tany Egypta i Josefa, niaraka tamin'ny ankohonan-drainy. Niaina folo amby zato taona izy. 23 Nahita ireo zanak'i Efraima hatramin'ny taranaka fahatelo i Josefa. Nahita ireo zanak'i Makira zanaka lahin'i Manase ihany koa izy, izay natsangan'i Josefa. 24 Hoy Josefa tamin'ireo rahalahiny hoe: "Efa ho faty aho; fa ho tonga aminareo tokoa Andriamanitra ary hitarika anareo hiala eto amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay nianianany homena an'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba." 25 Ary Josefa nampianiana fianianana ny vahoakan'Israely. Hoy izy hoe: "Ho tonga aminareo tokoa Andriamanitra. Amin'izay fotoana izay dia tsy maintsy entinareo miala eto ny taolako." 26 Ary dia maty Josefa, rehefa 110 taona. Nosoran'izy ireo zava-manitra ary napetraka tao anaty vata-paty tany Egypta izy.
Ny teny hoe "nihohoka" dia fomba fiteny ilazana ny nianjera. DH: "koa dia niankohoka tamin'alahelo teo amin-drainy izy"
"ireo mpanompony izay mikarakara ny faty"
Ny "mamono" dia fomba manokana atao hitehirizana ny faty mialohan'ny handevenana azy. DH: "hikarakara ny fatin-drainy"
"Naka 40 andro izy ireo"
"70 andro"
"ny andron'ny fisaonana azy" na "andro fitomaniana azy"
tao an-dapan'i Farao. DH: "Niresaka tamin'ireo mpanapak'i Farao i Josefa"
Ny andian-teny "teo imasonareo" dia sarinteny ilazana ny fisainana sy ny eritreritr'i Jakoba. DH: "Raha mahita sitraka eo aminareo aho" na "raha faly amiko ianao" (UDB)
Izany dia fomba fiteny midika fa ny olona iray dia manaiky ny olona iray hafa.
Farango roa sosona na telo izany. Afaka atao izany hoe: DH: "Mba lazao an'i Farao fa nihaniana tamiko ny raiko ny mba handevenako azy any amin'ny fasna izay nohadiany ho azy any amin'ny tany Kanana. Mba anontanio i Farao mba hamela ahy handevina ny raiko, dia hiverina indray aho"
"Indro, efa akaiky ny andro hafatesako"
Efa mahazatra ny mampiasa ny andian-teny "miakatra" rehefa miresaka ny mandeha avy any amin'ny Egypta mankany Kanana.
Milaza izany fa ny niresaka tamin'i Farao ny mpikambana ao amin'ny mpanapaka, ary izao i Farao dia miresaka amin'i Josefa.
"tahaka ny nihaniananao tamiko"
Efa mahazatra ny mampiasa ny andian-teny "miakatra" rehefa miresaka ny mandeha avy any amin'ny Egypta mankany Kanana.
Ireo mpitarika manan-danja an'i Farao dia nanatrika ny fandevenana avokoa.
Izany dia olona mpanolotsaina ao an-dapa.
Eto ny "lapa" dia ilazana ny lapan'i Farao.
Afaka adika ho andian-teny vaovao izany: "tanin'i Egypta, sy ireo ankohonan-drainy izay nandeha niaraka taminy"
Eto ny "ankohonana" dia ilazana ireo fianakaviany.
Eto izany dia ilazana ny olona mitaingin-kalesa.
Ny teny hoe "izy ireo" dia ilazana ireo mpandray anjara tamin'ny fandevenana.
Ireo mety ho heviny dia 1) Ny teny hoe "Goren'atada" dia midika hoe "tsilo" ary mety ilazana toerana izay misy tsilo maro maniry, na 2)mety ho anaran'ny olona izay tompon'ny tanin-tsilo izany.
"tena nalahelo mafy izy ireo ary nisaona tokoa"
"7 andro"
"tany amin'ny tanin-tsilo any Goren'atada"
"Mafy loatra ireo fisaonan'ireo Egyptiana"
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarinana ambany pejy milaza hoe: " Ny anarana hoe "Abela-Mizraima" dia midika hoe "fisaonan'i Egypta."
"koa reo zanak'i Jakoba lahy"
"tahaka izay nandidiany azy ireo"
"Nalain'ireo zanany lahy ny fatiny"
Anaran'ilay toerana na faritra izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.
Anarana hafa iantsoana ny tanànan'i Hebrona izany. Anaran'ilay lehilahy izay tompon'ireo hazo terebinta izany, izay naman'i Abrahama nipetraka tao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:16.
Anaran-dehilahy izany. Ny "Hetita" dia midika hoe "taranak'i Heta". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.
"niverina nankany Egypta i Josefa"
"ireo rehetra izay nandeha niaraka taminy"
Eto ny hatezerana dia resahina toy ny zavatra izay azon'i Josefa tazomina eny an-tanana. DH: " ahoana tokoa raha mbola tezitra amintsika i Josefa"
Ny mamaly faty ny olona izay nandratra azy dia resahina toy ny olona izay manefa amin'ny olona iray izay nataony. DH: "te hamaly faty ny amin'ny zava-dratsy izay nataontsika taminy"
Izany dia farango misosona roa na telo. Afaka atao izany hoe: DH: "Nananatra antsika ny raintsika talohan'ny nahafatesany ny mba hamelana ny ratsy izay nataonay taminao"
I Jakoba dia rain'ireo mpirahalahy rehetra. Eto izy ireo dia miteny hoe "ny rainao" mba hanindrina fa tokony hanaraka tsara izay nolazain-drainy i Josefa. DH: "mialohan'ny nahafatesan'ny raintsika dia nilaza izy hoe"
"tamin'ny zava-dratsy izay nataon'izy ireo anao"
Tsy midika izany hoe "ankehitriny" fa natao mba hisarihana ny fifantohantsika amin'ny teboka manan-danja manaraka.
Manondro ny tenany amin'ny "mpanompon'Andriamanitry ny rainao" ireo rahalahiny. Afaka atao izany hoe: DH: "Mba mamela re anay, mpanompon'Andriamanitry ny rainao"
"Nitomany i Josefa raha nandre ny hafatr'izy ireo"
Nanohoka ny tavany tamin'ny tany teo anatrehany. Fanehoana fanetre-tena sy fanajana an'i Josefa izany."
Nampiasa izany fanontaniana izany i Josefa mba hampiononana ireo rahalahiny. DH: "tsy afaka maka ny toeran'Andriamanitra aho" na "tsy Andriamanitra aho"
nihevitra ny hanao ratsy hanohitra ahy
"nanana fikasana tsara Andriamanitra"
"koa aza matahotra ahy"
"hanao izay hahazoako antoka hatrany aho fa ampy sakafo ianareo sy ireo zanakareo"
"Nampionina azy ireo tamin'ny firesahana tamim-pitiavana tamin'izy ireo izy"
"110 taona"
"zanak'i Efraima hatramin'ireo zafiny" (UDB)
Anaran'ny zafikelin'i Josefa izany.
izay napetraka teo am-pofoan'i Josefa.
Ao amin'ny 50:24 ny "ianareo" dia ilazana ireo rahalahin'i Josefa, fa eto dia ilazana ireo taranany.
Efa mahazatra ny mampiasa ny miakatra rehefa miresaka ny mandeha mankany amin'ny tany Egypta mankany amin'ny tany Kanana. DH: "hitondra anareo hivoaka ity tanàna ity ary hitondra anareo any amin'ny tany"
Ny "mamono" dia fomba manokana atao hitehirizana ny faty mialohan'ny handevenana azy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 50:1.
Afaka atao izany hoe: DH: "nametraka azy ireo"
"tao anaty vata paty" na "tao anaty vata" Vata izay asiana ny fatin'ny olona izany.
1 Ireto ny anaran'ireo zanaka lahin'Israely izay nankany Egypta niaraka tamin'i Jakoba, izay niaraka tamin'ireo ankohonany avy: 2 Robena, Simeona, Levy ary Joda; 3 Isakara, Zebolona, ary Benjamina, 4 Dana, Naftaly, Gada ary Asera. 5 Ireo taranak'i Jakoba rehetra dia miisa fitopolo. Josefa kosa dia efa tany Egypta. 6 Ary maty i Josefa, sy ny rahalahiny rehetra, ary ireo taranaka rehetra ireo. 7 Namokatra ireo Israelita, nitombo hatrany ny isan'izy ireo, ary lasa tena natanjaka; feno azy ireo ny tany. 8 Ary dia nisy mpanjaka vaovao nanjaka nanerana an'i Egypta, izay tsy nahafantatra ny momban'i Josefa. 9 Hoy izy tamin'ireo vahoakany hoe: "Indro, ireo Israelita dia maro an'isa sy matanjaka kokoa noho isika. 10 Manatona, aoka isika ifampiraharaha am-pahendrena amin'izy ireo, raha tsy izany dia hitombo isa hatrany izy ireo, ary raha vaky ny ady, dia hamonjy ireo fahavalontsika izy ireo, hiady amintsika, ary handao ny tany." 11 Koa dia nametraka mpifehy izy ireo mba hampahory azy ireo amin'ny asa mafy. Nanamboatra tanàna fitehirizana ho an'i Farao ireo Israelita: Pitoma sy Ramesesa. 12 Saingy voamaika ireo Egyptiana mampahory azy ireo, dia voamaika nitombo an'isa sy niparitaka ireo Israelita. Koa dia nanomboka natahotra ireo Israelita ireo Egyptiana. 13 Nampiasain'ireo Egyptiana fatratra ireo Israelita. 14 Nataony nangidy ny fiainan'izy ireo tamin'ny fanompoana mafy tamin'ny fanaovana feta sy biriky, niaraka tamin'ireo karazan-draharaha rehetra eny an-tsaha. Ny asa rehetra notakiana tamin'izy ireo dia mafy avokoa. 15 Ary niresaka tamin'ireo mpampivelona Hebreo ny mpanjakan'i Egypta; ny anaran'ny iray dia Sifra, ary ny anankiray Poa. 16 Hoy izy hoe: "Rehefa manatrika ireo vehivavy Hebreo eo amin'ny seza fiterahana ianareo, dia araho maso izy ireo rehefa miteraka. Raha zaza lahy izany, dia tsy maintsy hovonoinareo izy; fa raha zaza vavy kosa, dia afaka avela ho velona." 17 Fa natahotra an'Andriamanitra ireo mpampivelona ka tsy nanao izay nandidian'i mpanjakan'i Egypta azy ireo; navelan'izy ireo ho velona ireo zaza lahy. 18 Nampiantso ireo mpampivelona ny mpanjakan'i Egypta ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Nahoana no nanao izao ianareo, ary namela ireo zazalahy kely ho velona?" 19 Dia namaly an'i Farao ireo mpampivelona hoe: "tsy mitovy amin'ireo vehivavy Egyptiana ireo vehivavy Hebreo. Matanjaka izy ireo ka efa nahavita namoaka zaza mialohan'ny hatongavan'ny mpampivelona any amin'izy ireo." 20 Narovan'Andriamanitra ireo mpampivelona ireo. Nitombo an'isa ireo mponina ary tena niha-natanjaka. 21 Satria natahotra an'Andriamanitra ireo mpampivelona, dia nomeny ankohonana izy ireo. 22 Nandidy ireo vahoakany rehetra Farao hoe: "Tsy maintsy harianareo any amin'ny renirano ny zazalahy rehetra izay vao teraka, fa ny zazavavy havelanareo ho velona."
Io dia manondro ny vahoaka rehetra izay niara-nipetraka, matetika fianakaviana lehibe miaraka amin'ireo mpanompo.
''70''
''Nipetraka tany Egypta talohan'ireo rahalahiny i Josefa''
Tafiditra ao amin'io ireo rahalahy 10 lehibe sy rahalahy tanora 1.
Ny fahaterahan'ny zaza amin'ireo Israelita dia resahina toy ny hoe voly izay mamokatra voa izy ireo. DH: ''maro anaka'' na ''miteraka zaza be dia be'' (UDB).
Io dia azo atao hoe DH: ''Nameno ny tany izy ireo''
Ny teny hoe ''izy ireo'' dia manambara ireo Israelita.
Eto ''Egypta'' dia manambara ireo vahoakan'i Egypta. DH: ''nanomboka nanjaka tamin'ireo vahoakan'i Egypta''
''Niteny tamin'ireo vahoakany ny mpanjaka''
Ireo dia vahoaka izay nipetraka tany Egypta, ireo Egyptiana.
Ny teny hoe ''isika'' dia maharay ny olona rehetra ary manambara ny mpanjaka sy ireo vahoakany, ireo Egyptiana.
Eto ny ady dia resahana toy ny olona izay afaka manao zavatra.
''niala an'i Egypta''
'''mpitarika mpanompo''. Ireo dia Egyptiana izay ny asany dia manery ireo Israelita hiasa mafy.
''mba hanery ireo Israelita hiasa mafy ho an'ireo Egyptiana''
Ireo dia toerana izay hametrahan'ireo mpitarika sakafo sy ireo zavatra manan-danja hafa mba hahatsara tahiry ireo.
''nampiasaina...mafy tokoa'' na ''nampiasaina...mafy''
Ny fianan-tsarotr'ireo Israelita dia resahina toy ny hoe sakafo mangidy izay sarotra atelina izy ireo.
Io dia lakaoly lena na fotaka atao anelanelan'ireo biriky na ireo vato izay hitazonana ireo miaraka rehefa maina izany.
''Ireo Egyptiana nampiasa mafy azy ireo'' na ''Ireo Egyptiana nanery azy ireo hiasa mafy''
Ny mpanjakan'i Egypta dia nantsoina hoe Farao.
Ireo dia vehivavy izay nanampy vehivavy hiteraka.
Ireo dia anaram-behivavy Hebreo.
Nipetraka teo amin'io fipetrahana fohy io ny vehivavy rehefa hiteraka. Noho izany, dia mifandray amin'ny fiterahana io. DH: ''rehefa miteraka izy ireo''
Ireo vehivavy izay nanampy ny vehivavy hiteraka. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 1: 15.
Nanontany izany fanontaniana izany Farao mba hibedesana ireo mpampivelona tamin'ny namelana ilay zazalahy ho velona. Io fanontaniana fampisainana dia azo adika ho fanambarana. DH: ''Tsy nankato ny didiko tamin'ny famonoana ireo zazalahy kely!''
Namaly tamim-pahendrena mba hampitony ny hatezeran'i Farao ireo mpampivelona.
Narovan'Andriamanitra tamin'ny famonoana ireo mpampivelona ireo i Farao.
Ireo vehivavy izay nanampy ny vehivavy hiteraka. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 1: 15.
Nitombo an'isa ireo Israelita''
''nanaja an'Andriamanitra'' na ''nana-panajana an'Andriamanitra''
''namela azy ireo hanan-janaka''
Io baiko io dia nibaikona hanafotra ireo zazalahy kely. Ny hevitr'izany feno dia mety ho mazava. DH: ''Ianao dia tsy maintsy...ao anaty renirano mba hilentika izy ireo''
1 Ary nisy lehilahy iray avy amin'ny fokon'i Levy nanambady zanaka vavin'i Levy. 2 Nitoe-jaza ilay vehivavy ka niteraka zazalahy. Rehefa hitany fa zazalahy salama izy, dia nafeniny nandritra ny telo volana. 3 Fa rehefa tsy afaka nanafina azy intsony izy, dia naka sobika norariana tamin'ny ahitra ary noraiketiny tamin'ny ditin-tany sy dity izany. Avy eo dia nampidiriny tao ilay zazakely ka napetrany teny amoron'ny volotara manaraka ny moron'ny ony izany. 4 Nijoro avy lavitra ny anabaviny mba hijery izay hanjo azy. 5 Nidina nandro teny amin'ny ony ny zanakavavin'i Farao raha nandehandeha nanaraka ny moron'ny ony ireo mpanompony. Nahita ny sobika teo amin'ny volotara izy ka naniraka ny mpanompony haka izany. 6 Rehefa nanokatra izany izy, dia nahita ilay zazakely. Indro, nitomany ilay zaza. Nangoraka azy izy ka hoy izy hoe: "Azo antoka fa iray amin'ireo zanaky Hebreo ity." 7 Ary hoy ny anabavin'ilay zazakely tamin'ny zanaka vavin'i Farao hoe: "Tokony handeha ary hitady vehivavy Hebreo mba hitaiza ilay zaza ho anao ve aho?" 8 Dia hoy ny zanaka vavin'i Farao taminy hoe: "Mandehana." Koa dia nandeha ilay tovovavy ary naka ny renin'ilay zaza. 9 Hoy ny zanaka vavin'i Farao tamin'ny renin'ilay zazak hoe: "Raiso ity zaza ity ka tezao ho ahy, ary homeko karama ianao." Dia noraisin'ilay vehivavy ilay zaza ary notazainy. 10 Rehefa nihalehibe ilay zaza, dia nentiny tany amin'ny zanaka vavin'i Farao, ka dia lasa zanany. Nomeny ny anarana hoe Mosesy izy ary hoy izy hoe: "Satria namoaka azy avy teny amin'ny rano aho." 11 Rehefa lehibe i Mosesy, dia nivoaka teny amin'ireo vahoakany ary nanara-maso ny asa mafin'izy ireo. Nahita Egyptiana iray namono Hebreo iray izy, iray amin'ireo vahoakany. 12 Nijery tetsy sy teroa izy, ary rehefa hitany fa tsy nisy olona teo, dia novonoiny ilay Egyptiana ary nafeniny tao anaty fasika ny fatiny. 13 Nivoaka izy ny ampitso, ary, indro, nisy Hebreo roa lahy niady. Hoy izy tamin'ilay iray izay diso hoe: "Nahoana ianao no mikapoka ny namanao?" 14 Fa hoy ilay lehilahy hoe: "Iza no nametraka anao ho mpitarika ka hitsara anay? Mitetika ny hamono ahy tahaka ny namonoanao ilay Egyptiana ve ianao?" Avy eo dia niha-natahotra i Mosesy ka nanao hoe: "Lasa fantatr'ireo hafa tokoa ny zavatra nataoko." 15 Ary rehefa ren'i Farao ny mahakasika izany, dia nitady ny hamono an'i Mosesy izy. Saingy nandositra an'i Farao i Mosesy ka nipetraka tany amin'ny tanin'ny Midiana. Ary nipetraka teo akaikin'ny lava-drano tany izy. 16 Ary nanana zanaka fito vavy ilay mpisoron'ny Midiana. Tonga izy ireo, naka rano, ary nameno ny tavy fisotroana mba hanomezana rano ny ondry aman'osin'ny rain'izy ireo. 17 Tonga ireo mpiandry ondry ka niezaka nandroaka azy ireo, saingy nandeha ary nanampy azy ireo i Mosesy. Rehefa izay dia nampisotroiny rano ireo ondry aman'osin'izy ireo. 18 Rehefa nandeha tany amin'i Regoela rainy ireo vehivavy, dia hoy izy hoe: "Nahoana no tonga aloha aty an-trano ianareo androany?" 19 Ary hoy izy ireo hoe: "Nisy Egyptiana iray nanavotra anay tamin'ireo mpiandry ondry. Mbola naka rano ho anay sy nampisotro rano ireo ondry aman'osy aza izy." 20 Dia hoy izy tamin'ireo zanany vavy hoe: "Dia aiza ary izy? Nahoana no nilaozanareo ralehilahy? Antsoy izy mba hiara-hisakafo amintsika." 21 Nanaiky hiara-hipetraka tamin'ilay lehilahy i Mosesy, izay nanome azy an'i Zipora zanany vavy ihany koa mba ho vadiny. 22 Niteraka zazalahy izy, ary nantsoin'i Mosesy hoe Gersoma ny anarany; hoy izy hoe: "Efa vahiny aty amin'ny tanin'ny firenena hafa aho." 23 Fotoana maro taty aoriana, dia maty ny mpanjakan'i Egypta. Nisento nohon'ny asa fanandevozana ireo Israelita. Niantso vonjy izy ireo, ary niakatra tany amin'Andriamanitra ny fitarainan'izy ireo nohon'ny fanandevozana azy ireo. 24 Rehefa ren'Andriamanitra ny senton'izy ireo, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin'i Abrahama, tamin'i Isaka, ary tamin'i Jakoba Andriamanitra. 25 Hitan'Andriamanitra ireo Israelita, ka tsapany ny nahazo azy ireo.
Io teny io eto dia nampiasaina mba hanamarika fiatoana tao amin'ny tranga lehibe. Eto ny mpanoratra dia manomboka mitantara fizarana vaovao amin'ny fitantarana. Raha misy fomba hanaovana izany amin'ny fiteninao, dia hevero ny fampiasana izany eto.
''3''
Io dia sobika natao tamin'ny ahitra lava izay maniry akaikin'ny Reniranon'i Neily any Egypta.
Afaka manambara mazava ianao fa izany dia mb a tsy hatafiditra rano. DH: ''nanisy tara teo amin'izany mba tsy hatafiditra ny rano ao amin'izany''
Eto ny ''noraiketina'' dia midika fa nampiasa akanjo mahatanty rano izy.
Io dia feta mainty maditidity natao soli-tany. Afaka ampiasaina mba tsy hatafiditra ny rano izany. DH: ''tara''
Io dia feta maditidity volontany na mainty izay azo atao amin'ny hazona kesika na amin'ny solitany. Noho izany, ny ''lavaka'' dia tsy ny ''ditin-tany'' ihany no ao fa dity mifototra amin'ny zava-maniry. Izany koa dia afaka ampiasaina mba tsy hatafiditra rano. DH: ''tara'' na ''dity''
Io ''volotara'' io dia karazana ahitra lava izay maniry eny amin'ny toerana mahitsy, mandomando.
Izany dia midika fa nijoro teny lavitra izy mba tsy ho tsikaritra, kanefa akaiky ihany raha hijery ny sobika.
''mpiasa''
Ny teny hoe ''indro'' dia amantarana ny fampahafantarana tsy ampoizina izay manaraka.
''mampinono''
''nentin'ilay vehivavy Hebreo izy''
''lasa zaza natsanganan'ny zanakavavin'i Farao izy''
Ireo mpandika teny dia mety hanampy fanamarihana izay milaza hoe ''Ny anaran'i Mosesy dia tahaka ny teny Hebreo izay midika hoe 'misintona.'''
''nisintona azy''
''namely'' na ''nikapoka''
Ireo lalan-kizorana roa mifanohitra ireo dia misy dika miaraka hoe ''na aiza na aiza''. DH : ''Nijery ny manodidina rehetra izy''
''Nivoaka i Mosesy''
Ny teny hoe ''indro'' eto dia mampiseho fa gaga tamin'izay hitany i Mosesy. Afaka mampiasa teny amin'ny fiteninao izay mamoaka izany dikany izany ianao.
Izany dia fomba entina hilazana hoe ''ilay iray izay nitarika ny ady''. DH: ''ilay iray izay meloka tamin'ny nitarihana ady'' (UDB)
Nampiasa io fanontaniana ilay lehilahy mba hibedesana an'i Mosesy tamin'ny nidirany tamin'ny ady. DH: ''Tsy lehibenay ianao ary tsy manan-jo hitsara anay!''
Nampiasa fanontaniana eto ilay lehilahy mba haneso. DH: ''Fantatray fa namono Egyptiana ianao omaly. Tsy tokony hamono ahy ianao!''
Ny teny hoe ''ary'' eto dia nampiasaina mba hanamarika fiatoana eo amin'ny tranga. Eto ny mpanoratra dia manomboka mitantara fizarana vaovao amin'ny tranga tsy nampoizina.
Ny teny hoe ''ary'' dia nampiasaina mba hanamarika fiatoana eo amin'ny tranga. Eto ny mpanoratra dia milaza momba ny olona vaovao ao anatin'ny fitantarana.
Izany dia midika fa nanovo rano avy ao an-dava-drano.
fitoerana lehibe, tery, misokatra ho an'ireo biby mba hihinanana na hisotrona avy amin'izany
''mandroaka azy ireo
''namonjy azy ireo''
Io fanontaniana io dia fibedesana malefaka ireo zanakavavy mba tsy hanasa an'i Mosesy ao an-tranon'izy ireo araka ny fampiantranoana mahazatra amin'ny fomba. DH: ''Tokony tsy namela izany lehilahy izany tao an-dava-drano anao!''
''Nanaiky ny hipetraka niaraka an'i Regoela i Mosesy''
Io dia zanakavavin'i Regoela.
Izany dia zanakalahin'i Mosesy.
''mpivahiny ao amin'ny tanin'ny firenena hafa''
Nanao izany izy ireo noho ny alahelony sy ny fijaliany. DH: ''nisento lalina''
Ny ranomason'ireo Israelita dia resahana toy ny hoe olona ka afaka mandeha miakatra mankany amin'Andriamanitra ireo. DH: ''Nandre ny fitarainan'izy ireo Andriamanitra''
Izany dia fomba entina hilazana fa nihevitra momba izay nampanantenainy Andriamanitra. DH: ''Nahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra''
1 Ary mbola niandry ny ondry aman'osin'i Jetro rafozany, ilay mpisoron'ny Midiana ihany i Mosesy. Dia nentin'i Mosesy tany ankoatry ny efitra ny ondry aman'osy ka tonga tany Horeba, ilay tendrombohitr'Andriamanitra. 2 Teo no nisehoan'ilay anjelin'i Yaveh taminy tamin'ny lelan'afo tao anaty voaroy. Nijery i Mosesy, ary indro, nirehitra ilay voaroy, nefa ilay voaroy dia tsy nety levona. 3 Dia hoy Mosesy hoe: "Hanatona akaiky aho mba hizahako izao zava-mahagaga izao, nahoana no tsy levona ilay voaroy." 4 Koa rehefa hitan'i Yaveh fa nanatona akaiky izy mba hizaha, dia niantso azy avy eo amin'ilay voaroy Andriamanitra ka nanao hoe: "Mosesy, Mosesy." Dia hoy Mosesy hoe: "Inty aho." 5 Dia hoy Andriamanitra hoe: "Aza manakaiky loatra! Esory eny an-tongotrao ny kiraronao, fa ny toerana izay ijoroanao dia tany efa voatokana ho Ahy." 6 Nampiany hoe: "Izaho no Andriamanitry ny razanao, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba." Dia nanarona ny tavany iMosesy, satria natahotra ny hijery an'Andriamanitra izy. 7 Hoy Yaveh hoe: "Hitako tokoa ny fahorian'ny vahoakako izay tao Egypta. Efa reko ny fitarainan'izy ireo nohon'ny amin'ireo mpifehy azy, satria fantatro ny momban'ny fijalian'izy ireo. 8 Koa nidina aho mba hanafaka azy ireo amin'ny fahefan'ireo Egyptiana ary hitondra azy ireo hiakatra avy amin'izany tany izany ho any amin'ny tany soa, sy midadasika, ho any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely; ho any amin'ny faritr'ireo Kananita, Hetita, Amorita, Perizita, Hivita, ary ireo Jebosita. 9 Ankehitriny efa tonga aty amiko ireo fitarainan'ny vahoakan'i Israely. Ary koa, efa hitako ny fampahoriana nataon'ireo Egyptiana. 10 Noho izany, haniraka anao ho any amin'i Farao Aho mba hahafahanao hitondra ny vahoakako, ireo Israelita, hiala ao Egypta." 11 Saingy hoy i Mosesy tamin'Andriamanitra hoe: "Iza moa aho, no handeha any amin'i Farao ka hitondra ireo Israelita hiala ao Egypta?" 12 Dia namaly Andriamanitra hoe: "Homba anao tokoa Aho. Izao no famantarana ho anao fa efa naniraka anao Aho. Rehefa tafavoakanao avy ao Egypta ny vahoaka, dia hanompo Ahy eto amin'ity tendrombohitra ity ianareo." 13 Dia hoy Mosesy tamin'Andriamanitra hoe: "Raha ho any amin'ireo Israelita aho ka hilaza amin'izy ireo hoe: 'Ny Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho aty aminareo,' ka raha hoy izy ireo amiko hoe: 'Iza no anarany?' Dia inona no ho lazaiko amin'izy ireo?" 14 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy hoe: "IZAHO NO IZAHO." Dia hoy Andriamanitra hoe: "Tsy maintsy hilazanao ireo Israelita hoe: 'IZAHO no naniraka ahy ho aty aminareo.'" 15 Dia hoy ihany koa Andriamanitra tamin'i Mosesy hoe: 'Yaveh, Andriamanitry ny razanareo, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, Andriamanitr'i Jakoba, no naniraka ahy ho aty aminareo. Izany no anarako mandrakizay, izany no hatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara-mandimby rehetra.' 16 Mandehana ka vorio miaraka ireo loholon'ny Israely. Lazao amin'izy ireo hoe: "Yaveh, Andriamanitry ny razanareo, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, Andriamanitr'i Jakoba, efa niseho tamiko ka nanao hoe: "Efa nandinika anareo tokoa aho, ary nahita izay natao taminareo tany Egypta." 17 Efa nampanantena Aho fa hitondra anareo hiala amin'ny fampahoriana ao Egypta ho any amin'ny tanin'ireo Kananita, Hetita, Amorita, Perizita, Hivita, ary ireo Jebosita, tany tondra-dronono sy tantely." 18 Hihaino anao izy ireo. Tsy maintsy mankany amin'ny mpanjakan'i Egypta ianao sy ireo loholon'Israely, ka izao no tsy maintsy ho lazainareo aminy hoe: "Yaveh, Andriamanitry ny Hebreo, dia efa nihaona taminay. Koa aoka izahay handeha hateloana any an'efitra, mba hahafahanay hanao sorona ho an'i Yaveh, Andriamanitray.' 19 Nefa fantatro fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan'i Egypta, raha tsy hoterena izy. 20 Haninjitra ny tanako Aho ary hanafika ireo Egyptiana amin'ireo fahagagana izay ho ataoko eo amin'izy ireo. Rehefa afaka izany dia hamela anareo handeha izy. 21 Dia hampahitako fitia amin'ny Egyptiana ireo vahoaka ireo, koa rehefa handeha ianareo, dia tsy handeha amin'ny tanam-polo. 22 Ny vehivavy rehetra dia hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ireo Egyptiana mpiara-monina aminy sy izay vehivavy rehetra mitoetra ao an-tranon'ireo mpiara-monina aminy. Hampitondranareo ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy izany. Izany no fomba handrobanareo ny Egyptiana."
Izany dia Yaveh tenany mihitsy no niseho tahaka ny anjely, fa tsy anjely izay nirahin'i Yaveh fotsiny ihany'' (UDB).
Izany dia anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ireo vahoakany tao amin'ny Testamenta Tranainy. Jereo ny pejin'ny fandikan-teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba handikana izany.
Ny teny ''indro'' eto dia mampiseho fa nahita zavatra izay tena sarotra amin'izay neritreretiny.
''namasinina''
Ireo lehilahy rehetra ireo dia nanompo Andriamanitra mitovy. DH: ''ny Andriamanitry ny razanao, an'i Abrahama, an'i Isaka, ary an'i Jakoba''
Mety ho heviny dia 1) ''ny razambenao'' na 2) ''ny razanao''. Raha midika hoe ''razambenao'' izany, dia ny andian-teny manaraka izany dia manazava izay manondro ny hoe ''ny razanao'': manondro an'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba izany. Raha midika hoe ''razananao'' izany, dia manondro an'ny razan'i Mosesy.
''mpitarika mpanompo''. Ireo dia Egyptiana izay ny asany dia ny hanery ireo Israelita mba hiasa mafy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:11.
''tany izay tondra-dronono sy tantely.'' Lazain'Andriamanitra fa ny tany dia tsara ho an'ireo biby sy ireo zava-maniry tahaka ny hoe miraraka amin'ny tany avy amin'ireo biby sy ireo zava-maniry ireo . DH: ''tany izay tsara hiompiana biby fiompy sy hampaniriana vokatra''
''feno ny'' na ''betsaka ny''
Satria mivoaka avy amin'ny ombivavy sy osivavy ny ronono, dia manambara sakafo avoakan'ny biby fiompy izany. DH: ''sakafo avy amin'ny biby fiompy''
Satria vokatra avy amin'ny voninkazo ny tantely, dia manambara sakafo avy amin'ny vokatra izany. DH: ''sakafo avy amin'ny vokatra''
Eto ny teny hoe ''fitarainana'' dia resahana toy ny hoe olona izay afaka mihetsika amin'ny alalany ihany izy ireo. DH: ''Efa reko ireo ranomason'ireo vahoakan'Israely''
Nampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hilazana amin'Andriamanitra fa i Mosesy dia tsy iza ary tsy hisy hihaino azy. DH: ''Tsy manan-danja ny handeha any amin'i Farao loatra aho...Egypta!''
Io dia valitenin'Andriamanitra tamin'ny fanontanian'i Mosesy momba ny anaran'Andriamanitra. Mety hazavaina izany. DH: '''Hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy hoe: ''Lazao amin'izy ireo fa tenin'Andriamanitra fa ny anarany dia hoe: 'IZAHO NO IZAHO.'''
Ny mety ho heviny dia 1) io fehezanteny manontolo io dia anaran'Andriamanitra na 2) Tsy miteny ny anarany Andriamanitra fa zavatra momba ny tenany. Amin'ny fitenenana izany, dia mampianatra Andriamanitra fa mandrakizay izy; velona mandrakizay ary ho velona mandrakizay Izy.
Ireo fiteny izay tsy misy mitovy amn'ny matoanteny hoe ''no'' dia mila anaovana izany ho toy ny hoe ''VELONA'' na ''MISY AHO''.
Manohy miresaka amin'i Mosesy Andriamanitra.
Abrahama, Isaka ary Jakoba dia telo tamin'ireo razamben'i Mosesy. Nanompo Andriamanitra mitovy izy rehetra.
Ny teny hoe ''ianareo'' dia manondro ny vahoakan'Israely.
''tany izay tondra-dronono sy tantely.'' Lazain'Andriamanitra fa ny tany dia tsara ho an'ireo biby sy ireo zava-maniry tahaka ny hoe miraraka amin'ny tany avy amin'ireo biby sy ireo zava-maniry ireo. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 3:7. DH: ''tany izay tsara hiompiana biby fiompy sy hampaniriana vokatra''
''feno ny'' na ''betsaka ny''
Satria mivoaka avy amin'ny ombivavy sy osivavy ny ronono, dia manambara sakafo avoakan'ny biby fiompy izany. DH: ''sakafo avy amin'ny biby fiompy''
Satria vokatra avy amin'ny voninkazo ny tantely, dia manambara sakafo avy amin'ny vokatra izany. DH: ''sakafo avy amin'ny vokatra''
Ny teny hoe ''anao'' dia manondro an'i Mosesy. DH: ''Hihaino anao ireo loholona''
Manohy miresaka amin'i Mosesy Andriamanitra.
Ny teny hoe ''tanana'' dia sariteny amin'ny fahefan'ny tanana. Ireo mety ho heviny dia 1) '''raha hitany fotsiny ihany fa tsy manam-pahefana hanao zavatra hafa izy'' (jereo ny UDB), izay an'i Farao ny ''tanana''; izay an'i Yaveh ny ''tanana'', 2) ''raha tereko fotsiny ihany izy mba hamela anareo handeha'' na 3) ''fa na dia hotereko aza izy mba hamela anareo handeha.''
Eto ny ''tanana'' dia manondro ny fahefan'Andriamanitra. DH: ''Hanafika amin-kery Aho''
Ny teny hoe ''tanam-polo'' dia nampiasaina mba hanindry ny hevitra mifanohitra. DH: ''handeha amin'ny tanana feno zava-tsoa'' na ''handeha miaraka amin'ireo zava-tsarobidy''
''ny vehivavy Egyptiana dia mipetraka ao an-tranon'ireo mpiara-monina Egyptiana''
1 Namaly Mosesy hoe: "Saingy ahoana raha tsy mino ahy izy ireo na tsy mihaino ahy fa hiteny kosa hoe: 'Tsy niseho taminao ve Yaveh'?" 2 Hoy Yaveh taminy: "Inona iny an-tananao iny?" Namaly Mosesy hoe: "Tehina." 3 Hoy Yaveh hoe: "Atsipazo eo amin'ny tany izany." Nanipy izany tamin'ny tany i Mosesy, ary nivadika bibilava izany. Nandositra izany i Mosesy. 4 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Ahinjiro ny tananao ary raiso amin'ny rambony io." Koa dia naninjitra izy ary nandray ilay bibilava. Dia lasa tehina teny an-tanany indray izany. 5 "Izany dia mba hahafahan'izy ireo mino fa Yaveh, ilay Andriamanitry ny razan'izy ireo, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba, no efa niseho taminao." 6 Hoy ihany Yaveh taminy hoe: "Izao dia atsofohy ao anaty akanjonao ny tananao." Dia natsofok'i Mosesy tao anaty akanjony ny tanany. Rehefa namoaka izany izy, indro, boka ny tanany, fotsy tahaka ny oram-panala. 7 Hoy Yaveh: "Atsofohy ao anaty akanjonao indray ny tananao." Dia natsofok'i Mosesy tao anaty akanjony ny tanany, ary rehefa navoakany izany, dia hitany fa sitrana indray izany, toy ny ambin'ny nofony rehetra. 8 Hoy Yaveh hoe: "Raha tsy mino anao izy ireo—raha tsy miraharaha ny famantarana voalohany ny heriko na tsy mino izany izy ireo, dia hino ny famantarana faharoa. 9 Raha tsy mino na dia ireo famantarana ny heriko roa ireo aza izy ireo, na tsy mihaino anao, dia manovoza rano any amin'ny renirano ary hararaho amin'ny tany maina izany. Ny rano izay ho alainao dia hivadika rà eo amin'ny tany maina." 10 Dia hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: "Ry Tompo, tsy mahay mandaha-teny aho, na tamin'ny lasa na hatramin'ny niresahanao tamin'ny mpanomponao. Miadam-piteny sy miraiki-dela aho." 11 Hoy Yaveh taminy hoe: "Iza ilay nanamboatra ny vavan'ny olona? Izay nanao ny olona ho moana na marenina na mahiratra na jamba? Moa tsy Izaho, Yaveh? 12 Noho izany mandehana, ary Izaho momban'ny vavanao ary hampianatra anao izay ho lazaina." 13 Fa hoy Mosesy: "Ry Tompo, maniraha olona hafa, izay sitrakao hirahina." 14 Dia tezitra tamin'i Mosesy Yaveh. Hoy Izy hoe: "Ahoana ny momba an'i Arona rahalahinao, ilay Levita? Fantatro fa afaka miteny tsara izy. Fanampin'izany, ho avy hihaona aminao izy, ary rehefa mahita anao izy, dia ho faly ao am-pony. 15 Hiteny aminy ianao ary hametraka ny teny hotenenina eo am-bavany. Izaho homba ny vavanao sy ny vavany, ary hasehoko anareo roa izay hatao. 16 Hiteny amin'ny vahoaka ho anao izy. Ho vavanao izy, ary aminy ianao dia ho tahaka Ahy, Andriamanitra. 17 Ho entinao eo an-tananao io tehina io. Amin'izany no hanaovanao ireo famantarana." 18 Dia niverina tany amin'i Jetro rafozan-dahiny i Mosesy ary niteny taminy hoe: "Avelao aho handeha mba hahafahako miverina any amin'ireo havako izay any Egypta ary hijery raha mbola velona izy ireo." Hoy Jetro tamin'i Mosesy hoe: "Mandehana amim-piadanana." 19 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy tany Midiana hoe: "Mandehana, miverena any Egypta, fa efa maty ireo lehilahy rehetra izay nikasa haka ny ainao." 20 Naka ny vadiny sy ireo zanany lahy i Mosesy ary nametraka azy ireo teo ambon'ny boriky. Niverina tany amin'ny tanin'i Egypta izy, ary noraisiny teny an-tanany ny tehin'Andriamanitra. 21 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Rehefa miverina any Egypta ianao, aoka ho ataonao eo anatrehan'i Farao ireo fahagagana rehetra izay efa napetrako teo amin'ny fahefanao. Saingy hanamafy ny fony Aho, ary tsy hamela ireo vahoaka handeha izy. 22 Tsy maintsy hiteny an'i Farao ianao hoe: 'Izao no nolazain'i Yaveh: Israely dia zanako lahy, lahimatoako, 23 ary milaza aminao Aho: "Avelao handeha ny zanako, mba hahafahany manompo Ahy." Fa satria nandà ny hamela azy andeha ianao, dia hovonoiko tokoa ny zanakao lahy, dia ny lahimatoanao.'" 24 Ary teny an-dalana, rehefa nijanona ho amin'ny alina izy ireo, dia nihaona tamin'i Mosesy ary nikasa hamono azy Yaveh. 25 Dia naka fiharatra vato i Zipora ary namora ny zanany lahy, ary nanakasoka izany tamin'ny tongony. Dia hoy izy: "Azo antoka fa vady amin'ny alalan'ny rà amiko ianao." 26 Dia namela azy irery Yaveh. Hoy izy hoe: "Vady amin'ny alalan'ny rà ianao" nohon'ilay famorana. 27 Hoy Yaveh tamin'i Arona hoe: "Mandehana any an'efitra mba hihaona amin'i Mosesy." Nandeha i Arona, nihaona taminy tany an-tendrombohitr'Andriamanitra, ary nanoroka azy. 28 Nolazain'i Mosesy tamin'i Arona avokoa ireo Tenin'i Yaveh izay nanirahany azy ho lazaina sy ny momba ireo famantaran'ny fahefan'i Yaveh rehetra izay nandidiany azy ho ataony. 29 Dia nandeha i Mosesy sy Arona ary namory ireo loholon'ireo Israelita rehetra. 30 Nambaran'i Arona avokoa ireo teny rehetra izay nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy. Nampiharihariany teo imason'ireo vahoaka ihany koa ireo famantaran'ny herin'i Yaveh. 31 Dia nino ny vahoaka. Rehefa henon'izy ireo fa efa nandinika ireo Israelita Yaveh ary efa nahita ny fampahoriana azy ireo, dia nampiankohoka ny lohany izy ireo ary nanompo Azy.
''raha tsy mino ireo Israelita''
''alaivo amin'ny rambony izany'' na ''sambory amin'ny rambony izany''
''hivadika ho tsora-kazo'' na ''hiova ho tehina''
Abrahama, Isaka ary Jakoba dia telo amin'ireo razamben'izy ireo. Nanompo Andriamanitra mitovy izy rehetra.
Io teny io dia nampiasaina mba hampisy fahatairana, maneho fahagagana.
Ny teny hoe ''tahaka'' eto dia nampiasaina mba hampitahana hoe ohatry ny ahoana ny tanan'i Mosesy. Nahatonga ny hoditra ho fotsy ny habokana. Mety tsy manana teny ho an'ny oram-panala ianao amin'ny fiteninao. Raha izany, mihevera anarana iombonana izay mamaritra zavatra fotsy. DH: ''fotsy tahaka volon'ondry na fotsy tahaka fasika eny amoron-dranomasina''
''miaiky'' na ''manaiky''
''mpiteny tena mahay''
Ny andian-teny hoe ''miadam-piteny'' sy ''miraiki-dela'' dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny izay hoe tsy mpiteny mahay.
Eto ny ''lela'' dia manondro fahaizan'i Mosesy miteny. DH: ''tsy mahay miteny misosa''
Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanindriana fa Izy no Mpamorona izay mampiteny ny olona raha mety izany. DH: ''Izaho Yaveh dia Ilay Iray izay namorona ny vavan'ny olona sy ny fahaizana miteny!''
Nampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanindriana fa Izy no Ilay Iray izay manapa-kevitra raha afaka miteny na mandre, ary raha afaka mahita izy ireo. DH: ''Izaho Yaveh no mampiteny ny olona, na mapandre, na mampahita , na ho jamba!''
Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanindriana fa Izy irery no maka ireo fanapahan-kevitra ireo. DH: Izaho, Yaveh, no Ilay izay manao izany!''
Eto ny hoe ''vava'' dia manondro ny fahaizan'i Mosesy miteny. DH: ''Hanome anao ny fahaizana miteny anao Aho''
Eto ny hoe ''fo'' dia manondro ny eritreritra anaty sy fihetseham-po. DH: ''ho faly be izy'' (UDB)
Ireo teny eto dia resahana toy ny hoe zavatra izay azo apetraka mivaingana ao am-bavan'ny olona. DH: ''omeo hafatra izy fa tokony hamerina izy''
Ny teny hoe ''vava'' eto dia manondro ny safidin-tenin'i Mosesy. DH: ''Hanome anao ny teny marina ho tenenina Aho''
Ny teny hoe ''vava'' eto dia manondro ny safidin-tenin'i Arona. DH: ''Hanome anao ny teny marina ho tenenina Aho''
Ny teny hoe ''vava'' eto dia manondro ny famerenan'i Arona izay nolazain'i Mosesy azy. DH: ''Hiteny izay asianao tenineniny izy''
Ny teny hoe ''tahaka'' eto dia midika fa te haneho i Mosesy fa mitovy ny fahefany sy ny an'i Arona tahaka ny nataon'Andriamanitra an'i Mosesy. DH: ''Hiresaka amin'i Arona amin'ny fahefana mitovy izay hiresahako aminao ianao''
Io dia manondro ny rain'ny vadin'i Mosesy.
Eto ny ''fo'' dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno fahamafasin-doha dia resahina toy ny hoe mafy ny fony. DH: ''hahatonga an'i Farao ho mafy loha''
Ny teny hoe ''Israely'' eto dia manondro ny vahoakan'Israely rehetra. DH: "Zanako ny vahoakan'Israely''
Eto ny zanak'Israely dia resahina toy ny hoe zanaka lahimatoa izay mahatonga fifaliana sy fieboebona izy ireo. DH: "dia tahaka ny zanako lahimatoa''
Ny teny hoe ''azy'' dia manondro ny vahoakan'Israely tahaka ny zanak'Andriamanitra. DH: ''nandà ny hamela ny zanako lahy handeha ianao''
Ny teny hoe ''zanaka lahy'' eto dia manondro ny tena zanak'i Farao.
Izany dia mety satria tsy namora ny zanany i Mosesy
Io dia anaran'ny vadin'i Mosesy.
Izany dia antsy izay vato maranitra ny zarany.
Ny teny hoe ''tongotra'' eto dia mety hoe fomba mihaja kokoa hanondrona ny faritra ara-pananahana amin'ny vatana.
Ny dikan'ity sarinteny ity dia tsy mazava. Mety fiteny malaza amin'ny fomba izany. DH: "nifandray tamiko tamin'ny alalan'ity rà ity ianao'' na ''vadiko noho ny rà ianao''
Mety te hanampy teny iray izay manamarika ny fiandohan'ny fizarana vaovaon'ny tantara ianao, tahaka ny ataon'ny UDB.
Mety ny tendrombohitra ao Sinay izany, nefa ny lahatsoratra dia tsy mampiditra izany fampahalalana izany.
Ny teny hoe "-ny" dia manondro an'i Yaveh, ary ny hoe "azy'' dia manondro an'i Mosesy.
"teo anoloan'ny vahoaka" na "teo anatrehan'ny vahoaka"
"nahita ireo Israelita" na "niahy ny amin'ireo Israelita"
Ireo mety ho heviny dia 1) "nampiankohoka ny lohany tami-tahotra izy ireo" na 2) "niankohoka ambany tami-panajana izy ireo."
1 Taorian'ny nitrangan'ireo zavatra ireo, dia nandeha tany amin'i Farao i Mosesy sy Arona ary niteny hoe: "Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, hoe: 'Avelao ny oloko andeha, mba hanaovan'izy ireo firavoravona ho Ahy any an'efitra.'" 2 Hoy Farao hoe: "Fa iza moa izany Yaveh izany? Nahoana aho no tokony hihaino ny teniny ary hamela an'Israely handeha? Tsy mahafantatra an'i Yaveh aho; ary fanampin'izany, tsy hamela an'Israely handeha aho." 3 Hoy izy ireo hoe: "Efa nihaona taminay ny Andriamanitr'ireo Hebreo. Avelao izahay andeha hateloana any an'efitra ary hanao sorona ho an'i Yaveh Andriamanitray mba tsy hanafihany anay amin'ny loza na amin'ny sabatra." 4 Fa hoy ny mpanjakan'i Egypta tamin'izy ireo hoe: "Ry Mosesy sy Arona, nahoana ianareo no manala ny olona amin'ny asan'izy ireo? Miverena amin'ny asanareo." 5 Hoy ihany koa izy hoe: "Ankehitriny misy vahoaka Hebreo maro eto amn'ny taninay, ary mampitsahatra azy ireo amin'ny asany ianareo." 6 Tamin'io andro io ihany, dia nanome baiko tamin'ireo mpampiasa sy ireo mpiambina i Farao. Hoy izy hoe: 7 "Tsy tahaka ny teo aloha, aoka tsy hanome mololo hanaovana biriky ho an'ny olona intsony ianareo. Avelao izy ireo handeha ary hanangona mololo ho an'ny tenan'izy ireo. 8 Na izany aza, dia tokony mbola hitaky ny isan-biriky mitovy tamin'ny nataon'izy ireo teo aloha ihany ianareo. Aza manaiky izay vitsy noho izany, satria kamo izy ireo. Izany no mahatonga azy ireo miantso mafy sy miteny hoe: 'Avelao izahay andeha sy hanao sorona ho an'ny Andriamanitray.' 9 Ampitomboy ny ora hiasana ho an'ireo lehilahy mba hifantohan'izy ireo amin'izany ka tsy hihaino teny fitaka intsony." 10 Koa dia nandeha nampahafantatra ny vahoaka ny olon'ny mpampiasa sy ireo mpiambina. Hoy izy ireo hoe: "Izao no lazain'i Farao hoe: 'Tsy hanome mololo ho anareo intsony aho. 11 Aoka ianareo ihany no handeha ka haka mololo na aiza na aiza ahitanareo izany, saingy tsy hihena ny asanareo'" 12 Koa dia niely nanerana ny tany Egypta manontolo ireo olona mba hanangona vodivary hatao mololo. 13 Ary ireo mpampiasa nanohy nandrisika azy ireo ka niteny hoe: "Vitao ny asanareo, tahaka ny tamin'ny fotoana nanomezana mololo anareo." 14 Nikapoka ny mpiambina Israelita ireo mpampiasan'i Farao, ireo lehilahy izay efa nampiandraiketin'izy ireo an'ireo mpiasa ihany. Nanontany azy ireo hatrany ny mpampiasa hoe: "Nahoana ianareo no tsy namokatra ny biriky rehetra izay notakiana taminareo, na omaly na androany, toy ny fanaonareo taloha?" 15 Koa dia nanatona an'i Farao ireo mpiambina Israelita ka nitaraina taminy hoe: "Nahoana ianao no mitondra ireo mpanomponao tahaka izao? 16 Tsy hisy mololo homena ireo mpanomponao intsony, kanefa izy ireo dia mbola miteny anay hoe: 'Manamboara biriky!' Izahay, mpanomponao, dia kapohina mihitsy aza ankehitriny, kanefa fahadisoan'ny vahoakanao ihany izany." 17 Fa hoy Farao hoe: "Kamo ianareo! Kamo ianareo! Hoy ianareo hoe: 'Avelao izahay handeha hanao sorona ho an'i Yaveh.' 18 Koa ankehitriny mandehana miverina amin'ny asanareo. Tsy hisy mololo homena anareo intsony, fa tsy maintsy mbola manao isam-biriky mitovy ihany ianareo." 19 Hitan'ireo mpiambina Israelita fa tafalatsaka tanaty kizo izy ireo rehefa nolazaina hoe: "Tsy mahazo mampihena ny isam-biriky vokarina isan'andro ianareo." 20 Nihaona tamin'i Mosesy sy Arona izy ireo, izay nijoro tany ivelan'ny lapa, raha nandeha avy tao amin'i Farao izy ireo. 21 Hoy izy ireo tamin'i Mosesy sy Arona hoe: "Hijery anareo anie i Yaveh ary hanasazy anareo, satria nataonareo nangidy hoditra teo imason'i Farao sy ireo mpanompony izahay. Nasianareo sabatra ny tanan'izy ireo mba hamonoana anay." 22 Nandeha niverina tany amin'i Yaveh i Mosesy ary niteny hoe: "Ry Tompo, nahoana Ianao no nampidi-doza ireo olona ireo? Nahoana aho no nalefanao voalohany? 23 Isaky ny nanatona an'i Farao hitondra ny hafatrao aho, dia nitondra fikorontanana ho an'ireo olona izy, ary tsy nanafaka ny olonao mihitsy Ianao."
Tsy mazava hoe hafiriana no niandrasan'i Mosesy sy Arona mandra-pandehany hijery an'i Farao.
Izany dia firavoravoana mba hanompoana an'i Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana io i Farao mba hanehoana fa tsy mahalala an'i Yaveh ho andriamanitra ara-dalàna. DH: "Tsy fantatro i Yaveh"
Mampiasa io fanontaniana io i Farao mba handaharana fa tsy mahazo tombony amin'ny fankatoavana an'i Yaveh na amin'ny famelana ireo Israelita handeha mba hanompo Azy. DH: "Tsinontsinona amiko Izy ary tsy tsy hamela ny Israely handeha aho!"
Ny teny hoe "ny teniny" dia manondro ireo teny notenenin'Andriamanitra. DH: "henoy izay lazainy" (UDB)
Io dia teny ampiasaina ho an' ny Andriamanitr'ireo Israelita na Yaveh ihany koa.
Eto ny hoe "sabatra" dia manondro ady na fanafihan'ireo fahavalo. DH: "na mahatonga ny fahavalonay hanafika anay" (UDB)
Mampiasa io fanontaniana io i Farao mba hanehoana ny hatezerany amin'i Mosesy sy Arona tamin'ny nanalana ireo Israelita amin'ny asan'izy ireo. DH: "atsaharo ny fandrebirebena ny vahoaka amin'ny fanaovana ny asany!"
"mpitarika mpanompo" Ireo dia Egyptiana izay ny asany dia ny manery ireo Israelita hiasa mafy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1: 11.
Ny teny hoe "ianareo" ao amin'ireo andininy ireo dia manondro ireo mpampiasa sy ireo mpiambina.
"mpitarika mpanompo" Ireo dia Egyptiana izay ny asany dia ny manery ireo Israelita hiasa mafy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1: 11.
Ny teny hoe "ianareo" ao amin'ireo andininy ireo dia manondro ireo vahoakan'Israely.
Eto ny hoe "ianareo ihany" dia manindry fa tsy hanampy azy ireo intsony ireo Egyptiana.
DH: "tsy maintsy hanao ny isan'ny biriky tahaka ny taloha ihany ianareo"
Io dia hitatra nampiasaina mba hanehoana ny ezaka mihoatra nataon'ny Israely mba hanefa ireo fangatahan'i Farao. DH: "toerana midadasika"
"mpitarika mpanompo" Ireo dia Egyptiana izay ny asany dia ny manery ireo Israelita hiasa mafy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1: 11.
Ny ampahan'ny hazo izay tavela taorian'ny fijinjana.
Nampiasa io fanontaniana io ireo mpampiasa mba hanehoana fa tezitra noho ny tsy fahampian'ny biriky izy ireo. DH: "Tsy ampy ny biriky vokarinareo, na omaly na androany, tahaka ny nataonareo taloha! "
"nanao fitarainana"
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo mpampiasa Egyptiana.
DH: "rehefa niteny tamin'izy ireo i Farao"
Io dia trano lehibe izay hipetrahan'ny mpanjaka.
Namaly ireo Israelita tahaka ny fomba hamalian'izy ireo fofona maloto ireo Egyptiana. DH: "nahatonga azy ireo hankahala anay ianareo"
Eto ny hoe "sabatra" dia manondro irika mba hamotehina ireo fahavalo. DH: "nanome antony azy ireo hamonoana anay" (UDB)
Io fanontaniana io dia maneho hoe ahoana ny hadisoam-panantenany fa nitondra ireo Israelita mafy kokoa ankehitriny ireo Egyptiana. DH: "Tompoko, malahelo aho fa nahatonga izao korontana izao tamin'ireo vahoaka ireo ianao."
Io fanontaniana io dia maneho hoe akory ny hadisoam-panantenan'i Mosesy fa naniraka azy tany Egypta Andriamanitra. DH: "Naleoko tsy mba naniraka ahy taty Ianao!"
Ny teny hoe "anarana" eto dia manondro ny hafatr'Andriamanitra. DH: "mba hanome azy ny hafatrao"
1 Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: "Anio no hahitanao izay ho ataoko amin'i Farao. Ho hitanao izany, fa hamela azy ireo handeha izy nohon'ny tanako mahery. Noho ny tanako mahery, handroaka azy ireo hiala amin'ny taniny izy." 2 Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: "Izaho no Yaveh, 3 Amin'ny maha-Ray Tsitoha Ahy no nisehoako tamin'i Abrahama, Isaka ary Jakoba; fa amin'ny anarako, Yaveh, dia tsy nahalala Ahy izy ireo. 4 Nametraka fifanekena tamin'izy ireo ihany koa Aho, mba hanomezana azy ireo ny tanin'i Kanana, tany izay nitoeran'izy ireo amin'ny maha mpiavy azy, tany izay nivezivezen'izy ireo. 5 Ary koa, nahare ny fitarainan'ny Israelita izay nandevozin'ny Egyptianina ihany koa Aho, ka tsaroako ny fanekeko. 6 Noho izany, lazao ireo Israelita hoe: 'Izaho no Yaveh. Hanafaka anareo amin'ny fanandevozan'ny Egyptiana Aho, ary ho afahako amin'ny heriny ianareo. Hanavotra anareo amin'ny fampisehoana ny heriko Aho, ary amin'ireo asa fitsarana mafy. 7 Ho alaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. Ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nanafaka anareo teo ambanin'ny fanandevozan'ny ireo Egyptiana. 8 Ho entiko any amin'ny tany izay efa nampanantenaiko tamin'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba ianareo. Dia homeko ho fanananareo izany. Izaho no Yaveh.'" 9 Rehefa niteny izany tamin'ireo Israelita i Mosesy, dia tsy nihaino azy izy ireo nohon'ny hakivian'izy ireo mahakasikany fanandevozana mafy azy ireo. 10 Koa niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe: 11 "Andeha lazao i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hamela ny vahoakan'Israely hiala ao amin'ny taniny. 12 Hoy i Mosesy niteny tamin'i Yaveh hoe: "Raha tsy nihaino Ahy ireo Israelita, nahoana i Farao no hihaino ahy, satria tsy dia mahay mandaha-teny aho?" 13 Dia niteny tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Nanome baiko azy ireo ho an'ireo Israelita sy ho an'i Farao, mpanjakan'i Egypta Izy, mba hitondra ireo Israelita hiala ny tany Egypta. 14 Ireto no lohan'ny fianakavian'ny razamben'izy ireo: ireo zanaka lahin-dRobena, lahimatoan'Israely, dia i Hanoka, Palo, Hezrona, ary Karmy. Ireto no fokon'ny razamben'i Robena. 15 Ireo zanaka lahin'i Simeona dia Jemoela, Jaminasy, Ohada, Jakinasy, Zohara, ary Saoly_ny zanak'ilay vehivavy Kananita. Ireo no razamben'ny fokon'i Simeona. 16 Ireto tanisaina ireto no zanaka lahin'i Levy, miaraka amin'ny taranak'izy ireo. Izy ireo dia i Gersona, Kehata, ary i Merary. Niaina hatramin'ny faha 137 taonany i Levy. 17 Ireo zanaka lahin'i Gersona dia i Libny sy i Simey. 18 Ireo zanaka lahin'i Kehata dia i Amrama, Jizara, Hebrona, ary i Oziela. Niaina hatramin'ny faha telo amby telopolo amby zato taonany i Kehata. 19 Ireo zanaka lahin'i Merary dia i Maly sy Mosy. Ireo no lasa razamben'ny fokon'ireo Levita, miaraka amin'ireo taranany. 20 Dia nanambady an'i Jekebeda i Amrama, anabavin'ny rainy. Niteraka an'i Arona sy i Mosesy taminy izy. Niaina 137 taona i Amrama dia maty avy eo. 21 Ireo zanaka lahin'i Jezara dia i Nafega, sy i Zikry. 22 Ireo zanaka lahin'i Oziela dia i Misaela, Elzafana, ary i Sitry. 23 Nanambady an'i Eliseba i Arona, zanaka vavin'i Aminadaba, anabavin' i Nasona. Niteraka an' i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary i Itamara taminy izy. 24 Ireo zanaka lahin'i Kora dia i Asira, Elkana, ary i Abiasafa. Ireo no razamben'ny fokon'ny Koraita. 25 Eleazara, zanaka lahin'i Arona, nanambady ny iray tamin'ireo zanaka vavin'i Potiela. Niteraka an'i Fineasa taminy izy. Ireo no lohan'ny fianakaviana teo amin'ireo Levita, miaraka amin'ireo taranany. 26 Ireo lehilahy roa ireo dia i Arona sy Mosesy izay nitenenan'i Yaveh hoe: "Ento miala ny tany Egypta ireo Israelita, amin'ny alalan'ireo vondron-dehilahy mpiady." 27 Arona sy Mosesy niteny tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hamela azy ireo hamoaka ireo Israelita avy ao Egypta. Ilay Mosesy sy Arona ihany ireo. 28 Rehefa niteny tamin'i Mosesy tao amin'ny tany Egypta Yaveh, 29 dia hoy Izy taminy hoe: "Izaho no Yaveh. Lazao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay rehetra holazaiko aminao." 30 Fa Mosesy niteny tamin'i Yaveh hoe: "Tsy dia mahay miteny aho, ka ahoana no hihainoan'i Farao ahy?"
Ny teny hoe "tanana" eto dia manondro ireo asan'Andriamanitra lehibe na ireo asany. DH: "ny hery izay asehoko amin'ireo asako"
"Niseho tamin'i Abrahama, tamin'i Isaka, ary tamin'i Jakoba Aho"
DH: "Tsy fantatr'izy ireo Aho"
Izany dia midika hoe manao feo mampalahelo noho ny fanaintainana sy ny fijaliana.
Io dia baiko avy amin'i Yaveh tamin'i Mosesy. DH: "Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh mba hiteny amin'ireo Israelita".
"nampanantenaiko'' na "nolazaiko hataoko"
Nanontany io fanontaniana io i Mosesy tamim-panantenana fa hiova hevitra Andriamanitra ny amin'ny fampiasana an'i Mosesy. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Satria tsy nihaino Ahy ireo Israelita, na ho toy izany koa i Farao, satria tsy dia mahay miteny aho!"
Eto ny hoe "loha" dia manondro ireo razambe tany am-boalohany tao amin'ny foko. DH: "ireo razamben'ireo foko"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ny teny hoe ''loha" eto dia manondro ny mpitarika ny fianakaviana. DH: "Ireo dia mpitarika ireo fianakaviana"
"foko iray isaky mandeha" na "vondrom-pianakaviana iray mifanarakaraka"
Manontany izany fanontaniana izany i Mosesy tami-panantenana fa hiova hevitra Andriamanitra. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Tsy dia mahay...tsy hihaino ahy tokoa i Farao!"
1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Indro, nanao anao toy ny andriamanitra ho an'i Farao Aho. Arona rahalahinao no ho mpaminaninao. 2 Ianao no hilaza ny zavatra rehetra izay handidiako anao ho teneninao. Hiresaka amin'i Farao i Arona rahalahinao mba hamelany ny vahoakan'Israely hiala amin'ny taniny. 3 Fa hanamafy ny fon'i Farao aho, ary izaho haneho famantarana ny heriko maro, sy fahagagana maro, any amin'ny tany Egypta. 4 Nefa tsy hihaino anao i Farao, noho izany dia hametraka ny tanako ao Egypta aho ary hamoaka ireo vondrona lehilahy mpiady, ny vahoakako, sy ireo zanak'i Israely, hiala ny tany Egypta amin'ny famaizana lehibe. 5 Dia ho fantatry ny Egyptiana fa izaho no Yaveh rehefa hanatsotra ny tanako amin'ny Egypta sy hanafaka ireo Israelita tsy ho eo amin'izy ireo Aho." 6 Dia nanao toy izany i Mosesy sy Arona; araka izay nandidian'i Yaveh azy ireo. 7 Valopolo taona i Mosesy, ary telo amby valopolo taona i Arona rehefa niresaka tamin'i Farao izy ireo. 8 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy sy tamin'i Arona hoe: 9 "Rehefa miteny aminao i Farao hoe: 'Manaova fahagagana,' dia hiteny an'i Arona ianao hoe: 'Raiso ny tehinanao ary atsipazo eo anoloan'i Farao, mba hivadika bibilava izany.'" 10 Dia nankany amin'i Farao i Mosesy sy i Arona, ary nanao araka izay nandidin' Yaveh izy ireo. Natsipin'i Arona teo anoloan'i Farao sy ireo mpanompony ilay tehiny, ka lasa bibilava izany. 11 Nantsoin'i Farao ihany koa ireo olon-kendriny sy ireo mpanao ody. Ka nanao toy izany koa izy ireo tamin'ny alalan'ny odin'izy ireo. 12 Nanipy ny tehiny ny lehilahy tsirairay, ary lasa bibilava ireo tehina ireo. Nefa natelin'ny tehin'i Arona ny bibilavan'izy ireo. 13 Nihamafy ny fon'i Farao, ary tsy nihaino izy, araka ny efa nolazain'i Yaveh mialoha. 14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mafy ny fon'i Farao, ary tsy manaiky ny handehan'ireo vahoaka. Mandehana vao maraina any amin'i Farao rehefa mivoka ho any amin'ny rano izy. 15 Mijanona eny amin'ny amoron'ny renirano mba hihaona aminy, ary raiso eny an-tananao ilay tehina izay nivadika bibilava. 16 Lazao izy hoe: 'Yaveh, Andriamanitr'ireo Hebreo, no efa nandefa ahy aty aminareo hiteny hoe: "Avelao ny oloko handeha, mba hanompoan'izy ireo ahy any an-tany efitra. Efa tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny." 17 Izao no lazain'i Yaveh: "Amin'izao no hahalalanao fa izaho no Yaveh. Hikapoka ny reniranon'i Neily amin'ny tehina izay ety an-tanako aho, ka hivadika rà ny renirano. 18 Ny trondro izay ao anatin'ny renirano dia ho faty, ary dia hamofona maimbo ny renirano. Tsy ho afaka ny hisotro ny rano avy amin'ny renirano ireo Egyptiana.'"' 19 Ary hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Teneno i Arona hoe: 'Raiso ny tehinao ary ahinjiro miaraka amin'ny tananao eo amin'ny ranon'ny Egypta, ary eo amin'ireo reniranon'izy ireo, ireo rano mandeha, ny farihy, sy ny dobo izy ireo rehetra, mba hivadika rà ireo rano ireo. Ataovy izany mba hisy rà manerana ny tany Egypta rehetra, na ao amin'ny fitoeran-kazo sy vato aza.'" 20 Nanao araka izay nandidian'i Yaveh i Mosesy sy Arona. Nanandratra ny tehiny Arona ary nokapohiny ilay rano teny amin'ny renirano, teo imason'i Farao sy ireo mpanompony. Ary nivadika rà ny rano rehetra teny amin'ny renirano. 21 Maty ireo hazandrano tao anaty renirano, ary nanomboka namofona maimbo ny renirano. Tsy afaka nisotro rano avy tao amin'ny renirano ireo Egyptiana, ary feno rà maneranany tany Egypta. 22 Fa nanao toy izany tamin'ny odin'izy ireo ihany koa ireo mpanao odin'i Egypta. Koa dia nihamafy ny fon'i Farao, ary nandà tsy hihaino an'i Mosesy sy Arona izy, araka izay efa nolazain'i Yaveh fa hiseho. 23 Dia nitodika i Farao ary niverina tao an-tranony. Tsy norarahiany akory izany. 24 Nandavaka rano ho sotroina nanodidina ny renirano ireo Egyptiana rehetra, nefa tsy afaka misotro ny ranon'ny ony izy ireo. 25 Fito andro no lasa taorian'ny namelezan'i Yaveh ny renirano.
''Hahatonga an'i Farao hihevitra anao ho toy ny andriamanitra Aho"
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno hamafisan-doha dia resahina toy ny hoe mafy ny fony. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4: 21. DH: ''hahatonga an'i Farao ho mafy loha"
Ny teny hoe ''famantarana'' na "fahagagana" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeany. Mampiasa ireo Andriamanitra mba hanindriana ny fahalebiazan'izay hataony amin'i Egypta.
Ny teny hoe "tanako" dia manondro ny halebiazan'ny herin'Andriamanitra. DH: "ampiasa ny heriko hanohitra...haneho ny asako mahery hanohitra"
"ary Arona dia telo amby valopolo taona"
DH: ''Rehefa miteny anao i Mosesy hoe manaova fahagagana, dia hiteny amin'i Arona ianao ny mba hakany ny tehiny ary hanipazany izany ambany eo anoloan'i Farao, mba ho tonga bibilava izany"
"nihinana" na ''nandrapaka"
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno hamafisan-doha dia resahina toy ny hoe mafy ny fony. DH: "Nanjary vao maika nanohitra kokoa i Farao''
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno hamafisan-doha dia resahina toy ny hoe mafy ny fony. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 7:11. DH: ''Mafy loha i Farao"
Mety azo hazavaina ny dikan'io fehezanteny feno io. DH: "rehefa midina ho any amin'ny reniranon'i Neily mba handro izy" (UDB)
"Lazao amin'i Farao"
"veleso ny rano"
"amin'ny faritra rehetran'ny"
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno hamafisan-doha dia resahina toy ny hoe mafy ny fony. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 7:11. DH: ''Nanjary nanohitra kokoa i Farao"
Ny anaran'ny renirano dia mety hazavaina. DH: "tao amin'ny reniranon'i Neily" (UDB)
Ny teny hoe "rehetra" eto dia hitatra mba hanindriana fa lehibe tokoa ny olana. DH: "Egyptiana maro"
1 Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: "Mandehana any amin'i Farao ary lazao izy hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: "Aoka ny vahoakako handeha mba hahafahan'izy ireo manompo ahy. 2 Raha tsy mamela azy ireo handeha ianao, dia hampahory ny firenenao manontolo amin'ny sahona Aho. 3 Ho feno sahona ny renirano. Hiakatra ireo ary hiditra ao an-tranonao, ny efitrano fatorianao, sy ny fandrianao. Ho any amin'ny tranon'ireo mpanomponao ireo. Ho any amin'ny olonao, ny lafaoronao, ary ireo lovia jobo fanaovanao mofo. 4 Hanafika anao, ny vahoakanao, ary ny mpanomponao rehetra ireo sahona."'" 5 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Lazao i Arona hoe: 'Ahinjiro eo ambonin'ny renirano, ny lakan-drano, sy ireo dobo ny tananao sy ny tehinao, ary ento hanenika ny tany Egypta ny sahona."' 6 Dia nahinjitr'i Arona teo amin'ny ranon'i Egypta ny tanany, ka tonga ireo sahona ary nandrakotra ny tany Egypta. 7 Nefa nanao torak'izany ihany koa ireo ombiasy tamin'ny odin'izy ireo: nitondra sahona niakatra ny tany Egypta izy ireo. 8 Ary niantso an'i Mosesy sy Arona i Farao ka nilaza hoe: "Mivavaha amin'i Yaveh mba hanaisotra ny sahona eto amiko sy amin'ireo vahoakako. Dia hamela ny olona handeha aho, mba hahafahan'izy ireo manao sorona ho Azy." 9 Hoy Mosesy tamin'i Farao hoe: "Ianao dia manana fahafahana hilaza amiko hoe rahoviana aho no tokony hivavaka ho anao, ireo mpanomponao, ary ireo vahoakanao aho, mba hanesorana ireo sahona eo aminao sy ny ankohonanao ka hijanona any an-drenirano ihany." 10 Farao nilaza hoe: "Rahampitso." Ary Mosesy nilaza hoe: "Aoka hatao araka ny teninao izany, mba hahalalanao fa tsy misy tahaka an'i Yaveh, ilay Andriamanitray. 11 Hiala eo aminao, ny tranonao, ireo mpanomponao, ary ireo vahoakanao ny sahona. Fa hijanona eo amin'ny renirano ihany. 12 Nivoaka niala teo amin'ny Farao i Mosesy sy Arona. Ary Mosesy nihiaka mafy tamin'i Yaveh mahakasika ny sahona izay nentiny teo amin'ny Farao. 13 Ary Yaveh nanao araka izay nangatahin'i Mosesy: maty tao amin'ireo trano, tokotany, sy saha ireo sahona. 14 Nangonin'ireo vahoaka nitsitokotoko ireo, ka dia namofona ny tany. 15 Nony hitan'i Farao fa nisy fitoniana, dia nohamafisiny ny fony ary tsy nihaino an'i Mosesy sy Arona izy, araka ny nolazain'i Yaveh fa ho ataony. 16 Yaveh nilaza tamin'i Mosesy hoe: "Lazao i Aarona hoe: 'Ahinjiro ny tehinao ary kapohy ny vovoka eo amin'ny tany, mba ho tonga moka manerana ny tany Egypta rehetra."' 17 Nanao toy izao izy ireo: Nahinjitr'i Arona ny tanany sy ny tehiny. Nokapohiny ny vovoka teo amin'ny tany. Ary tonga teo amin'ny olona ny moka sy ny biby. Tonga moka avokoa ny vovoka rehetra nanerana ny tany Egypta. 18 Ireo ombiasy dia niezaka ny hampisy moka tamin'ny odin'izy ireo, fa tsy afaka izy ireo. Nisy moka teo amin'ny olona sy ny biby. 19 Dia hoy ireo ombiasy tamin'i Farao hoe: "Tanan'Andriamanitra izao." Fa nihamafy kosa ny fon'i Farao, ka nandà ny hihaino azy ireo izy. Izany dia tahaka ny efa nolazain'i Yaveh fa hataon'i Farao. 20 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Mifohaza maraina be ary mitsangana manoloana an'i Farao rehefa miala ho any amin'ny renirano izy. Lazao izy hoe: 'Izao no nolazain'i Yaveh: "Aoka ny oloko handeha mba hahafahan'izy ireo manompo Ahy. 21 Fa raha tsy avelanao handeha ny oloko, dia handefa andian-dalitra eo aminao, ireo mpanomponao, sy ireo olonao, ary ireo izay ao an-tranonao Aho. Ny tranon'ireo Egyptiana dia ho feno andian-dalitra, ary na ny tany izay hitsanganan'izy ireo aza dia ho feno lalitra. 22 Fa amin'izany andro izany dia hitondra ny tanin'i Gosena amin'ny fomba hafa aho, ilay tany izay onenan'ny oloko, mba tsy hisy andian-dalitra any. Izany dia hiseho mba hahalalanao fa Izaho no Yaveh eo afovoan'ity tany ity. 23 Hanao fanavahana eo amin'ny vahoakako sy ny vahoakanao Aho. Izany famatarana ny heriko izany dia hitranga rahampitso."'" 24 Nanao izany i Yaveh, ka tonga tao an-tranon'i Farao sy ireo manompony ireo andian-dalitra matevina. Nanerana ny tany Egypta rehetra, simba ny tany noho ireo andian-dalitra. 25 Nampiantso an'i Mosesy sy Arona i Farao ka nilaza hoe: "Mandehana, manaova sorona ho an'Andriamanitrareo ao amin'ny taninareo manokana." 26 Hoy i Mosesy hoe: "Tsy mety aminay ny manao izany, fa ireo sorona izay ataonay ho an'i Yaveh Andriamanitray dia maharikoriko ho an'ireo Egyptiana. Raha manao sorona marina eo imason'izy ireo izahy izay maharikoriko an'ireo Egyptiana, tsy ho torahan'izy ireo vato va izahay? 27 Tsia, ny mandeha hateloana makany an-efitra no tsy maintsy hataonay, mba hanaovana sorona ho an'i Yaveh Andriamanitray, araka ny nandidiany anay." 28 Hoy i Farao hoe: "Hamela anareo handeha sy hanao sorona ho an'i Yaveh andriamanitrareo any an-efitra aho. Fa aoka kosa tsy handeha lavitra loatra ianareo. Mivavaha ho ahy." 29 Hoy i Mosesy hoe: "Vantany vao mivoaka avy ato aminao aho, dia hivavaka amin'i Yaveh mba hialan'ny andian-dalitra eo aminao, ry Farao, sy ireo mpanomponao ary ny vahoakanao rahampitso. Fa aoka ianao tsy hamitaka intsony amin'ny tsy famelana ny olonay handeha hanao sorona ho an'i Yaveh." 30 Nivoaka avy tao amin'ny Farao i Mosesy ary nivavaka tamin'i Yaveh. 31 Nataon'i Yaveh izay nangatahin'i Mosesy: nanaisotra ny andian-dalitra teo amin'ny Farao, sy ireo mpanompony, ary ireo vahoakany Izy. Tsy nisy na iray aza tavela. 32 Nefa Nanamafy ny fony ihany koa i Farao tamin'izany fotoana izany, ary tsy namela ny vahoaka handeha.
"ny Reniranon'i Neily" (UDB)
Ireo dia lovia izay anaovana mofo.
"Dia naniraka an'i Mosesy sy i Arona i Farao"
"Afaka misafidy ianao hoe rahoviana aho no hivavaka ho anao" na "Afaka misafidy ny fotoana tokony hivavahako ho anao ianao"
"Nanamafy ny fony i Farao". Eto ny hoe "nanamafy" dia midika fa nanjary mafy loha izy.
"tahaka ny nolazain'i Yaveh fa hataony"
Ny teny hoe "rantsan-tanan'Andriamanitra" dia manondro ny herin'Andriamanitra. DH: "Izany dia herin'ny asan'Andriamanitra"
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno hamafisan-doha dia resahina toy ny hoe mafy ny fony. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 7:11. DH: ''Nanjary nanohitra kokoa i Farao"
"misehoa amin'i Farao"
"avotsory ny vahoakako"
Manohy miresaka amin'i Farao amin'ny alalan'i Mosesy i Yaveh.
DH: "ny andian-dalitra dia nandrava ny tany"
Izany dia fomba fiteny hilazana hoe "eo anatrehan'ny olona". DH: "eo anatrehan'izy ireo"
Mametraka io fanontaniana io i Mosesy mba hanehoana an'i Farao fa hamela ireo Israelita hanompo an'i Yaveh ireo Egyptiana. DH: "hitora-bato anay tokoa izy ireo!"
DH: "tsy maintsy hiraharaha anay amin'ny fahamarinana ary hamela ny vahoakanay handeha"
"Nefa aoka tsy hamitaka anay ianao" na "Nefa aoka tsy handainga aminay ianao"
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 7:11. DH: ''Nanjary nanohitra kokoa i Farao"
1 Dia hoy i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mankanesa any amin'i Farao ary lazao izy hoe: 'Ry Yaveh, Andriamanitry ny Hebreo, milaza izao: "Avelao ny vahoakako handeha mba hahafahan'izy ireo manompo Ahy." 2 Fa raha mandà ny hamela azy ireo handeha ianao, raha mbola mitazona azy ireo ianao, 3 dia ho eo amin'ny biby fiompinao eny an-tsaha ary ho eo amin'ireo soavaly, ampondra, rameva, omby, ary ireo ondry aman'osy ny tanan'i Yaveh, ary hiteraka areti-mandoza izany. 4 Samy hafa no hitondran'i Yaveh ny biby fiompin'i Israely sy ny biby fiompin'i Egypta: tsy hisy ho faty ny biby izay an'ireo Israelita. 5 Efa nanendry fotoana i Yaveh; hoy Izy hoe: "Rahampitso no hanaovako izany zavatra izany eo amin'ny tany.'"" 6 Nataon'i Yaveh izany ny ampitso: maty ny biby fiompin'i Egypta rehetra. Nefa tsy nisy maty kosa ireo bibin'ireo Israelita, na biby iray aza. 7 Nanadihady i Farao, ary indro, tsy nisy maty na dia iray aza ireo bibin'ny Israelita. Fa mafy fo izy, ka tsy navelany handeha ireo vahoaka. 8 Ary hoy i Yaveh tamin'i Mosesy sy Arona hoe: "Makà lavenona eran'ny tanana avy ao amin'ny lafaoro. Ianao, ry Mosesy, no tsy maintsy hanipy ireo lavenona eny amin'ny rivotra raha i Farao mijery iny. 9 Ho lasa vovoka madinika manerana ny tany Egypta rehetra izany. Hahatonga vay sy fery hipoitra amin'ireo vahoaka sy ireo biby manerana ny tany Egypta rehetra izany." 10 Koa dia naka lavenona avy tao amin'ny lafaoro i Mosesy sy Arona ary nijoro teo anoloan'i Farao. Dia natsipin'i Mosesy teny amin'ny rivotra ny lavenona. Nahatonga vay sy fery nipoitra tamin'ireo olona sy ireo biby ilay lavenona. 11 Tsy nahatohitra an'i Mosesy ireo ombiasy noho ireo vay, satria namely azy ireo sy ireo Egyptiana hafa rehetra ny vay. 12 Nanamafy ny fon'i Farao i Yaveh, ka tsy nihaino an'i Mosesy sy Arona i Farao. Izany dia araka ny nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy fa ho ataon'i Farao. 13 Ary hoy i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mifohaza maraim-be, mijoroa eo anoloan'i Farao, ary teneno izy hoe: "Yaveh, Andriamanitry ny Hebreo, niteny izao: "Avelao ny vahoakako handeha mba hahafahan'izy ireo manompo Ahy." 14 Fa amin'izany fotoana izany dia handefa ireo areti-mandringana rehetra amin'ny tenanao, amin'ireo mpanomponao, sy amin'ireo vahoakanao Aho. Hataoko izao mba hahafantaranao fa tsy misy toa Ahy amin'ny tany rehetra. 15 Fa ankehitriny dia afaka naninjitra ny tanako ary namely anao sy ny vahoakanao tamin'ny aretina aho, ary ho lany ritra eto amin'ny tany ianareo. 16 Fa izao no antony namelako anareo ho velona: mba hanehoako aminareo ny heriko, mba hanambarana ny anarako manerana ny tany rehetra. 17 Mbola manandratra ny tenanao manohitra ireo vahoakako ihany ianao amin'ny tsy famelana azy ireo handeha. 18 Henoy! Rahampitso amin'ny ora toy izao dia hitondra havandra mivatravatra be aho, izay mbola tsy nisy toa izany hita teto Egypta hatramin'ny niandohan'ny andro mandraka ankehitriny. 19 Ankehitriny dia, maniraha lehilahy ary angony ireo biby fiompinareo sy ny zavatra rehetra anananareo eny an-tsaha ho amin'ny toerana azo antoka. Ny olona rehetra sy ny biby izay eny an-tsaha ary tsy nentina nody—hilatsaka eo amin'izy ireo ny havandra, ary ho faty izy ireo.'"" 20 Ary ireo mpanompon'i Farao izay nino ny hafatr'i Yaveh dia nitondra haingana ireo mpanompo sy ireo biby fiompin'izy ireo nankany an-trano. 21 Fa ireo izay tsy nandray ny hafatr'i Yaveh am-pamatorana dia namela ireo mpanompo sy ny biby fiompin'izy ireo teny an-tsaha. 22 Dia hoy i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Ahinjiro mankany amin'ny lanitra ny tananao mba hisian'ny havandra amin'ny tany Egypta rehetra, amin'ny vahoaka, amin'ny biby, ary amin'ny zava-maniry rehetra eny an-tsaha manerana ny tany Egypta rehetra." 23 Naninjitra ny tehiny nankany amin'ny lanitra i Mosesy, ary Yaveh nandefa kotrok'orana, havandra, tselatra tamin'ny tany. Nandatsaka havandra tamin'ny tany Egypta ihany koa Izy. 24 Ary dia nisy havandra sy tselatra miharo havandra, nahery vaika, izay mbola tsy nisy tao amin'ny tany Egypta hatramin'ny naha firenena azy. 25 Nanerana ny tany Egypta rehetra, namely ny zavatra rehetra tany an-tsaha, ary ny olona sy ireo biby ny havandra. Namely ny zava-maniry rehetra teny an-tsaha ary nanapaka ireo hazo izany. 26 Tao amin'ny tany Gosena ihany, izay nipetrahan'ireo Israelita, no tsy nisy havandra. 27 Ary Farao naniraka lehilahy hiantso an'i Mosesy sy Arona. Hoy izy tamin'ireo hoe: "Efa nanota aho ankehihitriny. Yaveh dia marina, ary izaho sy ny vahoakako dia ratsy fanahy. 28 Mivavaha amin'i Yaveh, satria betsaka loatra ny varatra mahery sy ny havandra. Havelako handeha ianareo, ary tsy hijanona eto intsony ianareo." 29 Hoy Mosesy taminy hoe: "Raha vantany vao miala eto amin'ity tanàna ity aho, hasandratro any amin'i Yaveh ny tanako. Hitsahatra ny kotroka, ary tsy hisy havandra intsony. Izany ny fomba hahafantaranao fa an'i Yaveh ny tany. 30 Fa ny aminao sy ireo mpanomponao, fantatro fa tsy mbola tena manome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitra ianareo." 31 Dia simba ny rongony sy ny vary hordea, fa ny vary hordea dia masaka am-potony, ary namony ny rongony. 32 Fa ny varim-bazaha sy ny apemby dia tsy naninona satria ireo dia efa vokatra taty aoriana. 33 Rehefa nandao an'i Farao sy ny tanàna i Mosesy, dia nasandrany ho amin'i Yaveh ny tanany; nitsahatra ny kotroka sy ny havandra, ary tsy nilatsaka intsony ny orana. 34 Rehefa hitan'i Farao fa nitsahatra ny orana, ny havandra, ary ny kotroka, dia nanota indray izy ary nanamafy ny fony, niaraka tamin'ireo mpanompony. 35 Nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy namela ny vahoakan'Israely nandeha izy. Izany dia araka ny nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy fa ho ataon'i Farao.
Manohy miresaka amin'i Mosesy momba ny amin'i Farao sy ny hitondrana ny vahoaka Hebreo hivoaka an'i Egypta i Yaveh.
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Ireo dia hanindriana amin'i Farao izay hiseho raha manao izany i Farao. DH: "raha mbola mandà ny hamela azy ireo handeha ianao" (UDB)
Ny teny hoe "tanana" eto dia manondro ny herin'i Yaveh mba hampaory ireo biby amin'ny aretina. DH: "dia hampaory ny biby fiompinao ny herin'i Yaveh"
Ny teny hoe "-nao" eto dia manondro ny vahoakan'i Egypta rehetra izay nanana biby fiompy.
Eto ny hoe "Israely'' dia manondro ny vahoakan'Israely. DH: "ny biby fiompin'ny vahoakan'Israely"
Eto ny hoe "Egypta" dia manondro ny vahoakan'i Egypta. DH: "ny biby fiompin'ny vahoakan'i Egypta"
"fotoana voatondro" na "fotoana voatendry"
Io dia hitatra mba hanindriana ny halozan'ny zava-nitranga. DH: "biby fiompin'i Egypta marobe no maty"
Eto ny hoe "Egypta'' dia manondro ny vahoakan'i Egypta. DH: "biby fiompy izay an'ny vahoakan'i Egypta"
Nanangom-baovao momba ny zava-nitranga i Farao.
Ny teny hoe "indro'' eto dia maneho fa gaga noho izay hitany i Farao.
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. DH: "nandà ny hiova hevitra izy"
fatana lehibe
"bitika"
"mipoitra haingana amin'ny"
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno fahamafisan-doha dia resahina toy ny hoe mafy ny fony. Jereo ny nandikanao izany andian-teny izany ihany ao amin'ny 7:11. DH: "Nahatonga an'i Farao hanohitra kokoa Yaveh"
Izany dia midika fa na dia i Farao aza dia haratra noho ny areti-mandringana.
Ny teny hoe ''izao" dia manondro ireo areti-mandringana izay vao nolazain'i Mosesy momba an'i Farao.
Eto ny hoe "tanako" dia manondro ny herin'Andriamanitra. "nampiasa ny heriko mba hamely anao" (UDB)
Eto ny hoe "anarako" dia manondro ny lazan'Andriamanitra. DH: "mba hahalalan'ny vahoaka na aiza na aiza fa lehibe Aho"
Ny fanoheran'i Farao ny mba hamela ny Israely handeha hanompo an'i Yaveh dia resahana toy ny hoe hanandra-tena tahaka ny sakana amin'izy ireo.
"Tandremo ny zava-dehibe ho teneniko aminao"
"antsoy"
"Niteny tamin'i Farao i Mosesy"
Io dia fihetsika famantarana miaraka amin'ny vavaka. DH: "asandrato ny tananao ary mivavaha amin'i Yaveh" (UDB)
Tafiditra ao amin'ny fanomezana voninahitra an'Andriamanitra ny fankatoavana Azy sy ny fiainana amin'ny fomba izay maneho ny halebiazany.
Io dia zava-maniry izay mamokatra tady izay afaka atao akanjo rongony fotsy.
Io dia karazana voa nampiasaina hanamboarana mofo; nampiasaina ihany koa hamahanana biby fiompy.
Io dia karazana vary.
Io dia fihetsika famantarana miaraka amin'ny vavaka. DH: "asandrato any amin'i Yaveh ny tananao ary mivavaha" (UDB) Jereo ny fomba nandikanao io andian-teny io ihany ao amin'ny 9:29.
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno hamafisan-doha dia resahina toy ny hoe mafy ny fony. DH: "nanjary manohitra kokoa"
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno hamafisan-doha dia resahina toy ny hoe mafy ny fony. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 7:11. DH: "nanjary manohitra kokoa i Farao"
1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mandehana any amin'i Farao, fa efa nohamafisiko ny fony sy ny fon'ireo mpanompony. Nataoko izany mba hanehoana ireo famantarana ny heriko eo amin'izy ireo. 2 Nataoko ihany koa izany mba hanambaranao amin'ireo zanakao sy zafikelinao izay zavatra vitako, ny hamafin'ny fomba nitondrako an'i Egypta, sy ny fomba nanomezako famantarana ny heriko isan-karazany teo amin'izy ireo. Amin'izany fomba izany no hahafantaranao fa Izaho no Yaveh." 3 Koa dia nankany amin'i Farao i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: "Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo Hebreo, dia nilaza izao: 'Hafiriana no handavanao tsy hanetry ny tenanao eo anatrehako? Avelao andeha ny oloko mba hanompoan'izy ireo Ahy. 4 Fa raha mandà tsy handefa ny oloko ianao, dia indro, hahatonga valala any amin'ny taninao Aho rahampitso. 5 Handrakotra ny tany rehetra ireo ka tsy hisy afaka hahita ny tany. Hihinana izay sisa navelan'ny havandra ireo. Hihinana ny hazo rehetra eny an-tsaha izay maniry ho anao ihany koa ireo. 6 Hameno ireo tranonao, sy ny tranon'ireo mpanomponao, ary ny an'ireo Egyptiana rehetra ireo—zavatra tsy mbola fahitan'ny rainao na ny raibenao, tsy mbola fahita hatramin'ny andro naha-teto ambonin'ny tany azy ireo ka hatramin'izao.'" Avy eo dia lasa Mosesy ka niala teo amin'i Farao. 7 Hoy ireo mpanompon'i Farao taminy hoe: "Mandra-pahoviana io lehilahy io no ho fampitahorana ho antsika? Avelao andeha ireo Israelita mba hanompoan'izy ireo an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. Tsy mbola hitanao fa efa rava ve Egypta?" 8 Dia nentina tany amin'i Farao indray Arona sy Mosesy, izay nilaza tamin'izy ireo hoe: "Mandehana manompo an'i Yaveh Andriamanitrareo. Saingy iza avy ireo olona handeha?" 9 Hoy Mosesy hoe: "Handeha hiaraka amin'ny tanora sy ny antitray izahay, miaraka amin'ny zanaka lahy sy zanaka vavinay. Handeha hiaraka amin'ireo ondry aman'osy sy ombinay izahay, satria tsy maintsy manao firavoravoana ho an'i Yaveh." 10 Hoy i Farao tamin'izy ireo hoe: "Homba anareo tokoa anie i Yaveh, raha handefa anareo sy ny zanakareo aho. Indro, manana sainan--dratsy ianareo. 11 Tsia! Mandehana, ny lehilahy eo aminareo ihany, ka manompoa an'i Yaveh, satria izay no tadiavinareo." Dia nentina nivoaka teo anatrehan'i Farao i Mosesy sy i Arona. 12 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Ahinjiro amin'ny tanin'i Egypta ny tananao ho an'ireo valala, mba hanafihan'ireo ny tanin'i Egypta ka hihinana ny zava-maniry ao amin'izany, ny zavatra rehetra izay sisa tsy potiky ny havandra." 13 Dia naninjitra ny tehiny tamin'ny tanin'i Egypta i Mosesy, ka nitondra rivotra avy any atsinanana tamin'ny tany Egypta i Yaveh nandritra ny andro sy alina iny. Nony maraina, dia nentin'ny rivotra avy any atsinanana ireo valala. 14 Nandeha nanerana ny tany Egypta iray manontolo ireo valala ka nanenika ny faritra rehetra tao amin'izany. Tsy mbola nisy andiam-balala tahaka izany tao amin'ilay tany taloha, ary tsy hisy zavatra tahaka ity ho tonga aorian'ity. 15 Nandrakotra ny tany iray manontolo ireo ka maizina ny tany. Nohanin'ireo avokoa ny zava-maniry tao amin'ilay tany sy ny voankazo rehetra teny amin'ny hazo izay sisa navelan'ny havandra. Nanerana ny tany Egypta manontolo, dia tsy nisy tafajanona na zava-maitso, na hazo na zava-maniry teny an-tsaha. 16 Avy eo i Farao dia nampiantso faingana an'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: "Nanota tamin'i Yaveh Andriamanitrareo sy taminareo aho. 17 Koa ankehitriny, mamelà ny heloko amin'izao fotoana izao; ary mivavaha amin'i Yaveh Andriamanitrareo mba hanalany amiko ity fahafatesana ity." 18 Koa nivoaka avy tao amin'i Farao i Mosesy ary nivavaka tamin'i Yaveh. 19 Nitondra rivotra mahery vaika avy any andrefana i Yaveh izay nitondra ireo valala ka namarina ireo ho any amin'ny Ranomasina Mena; tsy nisy na dia valala iray aza tavela tao amin'ny fari-tanin'i Egypta rehetra. 20 Fa nohamafisin'i Yaveh ny fon'i Farao, ka tsy navelan'i Farao handeha ireo Israelita. 21 Dia hoy i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Ahinjiro mankany amin'ny lanitra ny tananao, mba hisy haizina eo amin'ny tany Egypta, haizina izay azo tsapaina." 22 Naninjitra ny tanany nankany amin'i lanitra Mosesy, ka dia nisy haizina matevina teo amin'ny tany nanerana an'i Egypta nandritra ny telo andro. 23 Tsy nisy nifankahita ny olona; tsy nisy nivoaka tao an-tranony nandritra ny telo andro. Kanefa, nanana fahazavana kosa ireo Israelita teo amin'ny toerana nipetrahan'izy ireo. 24 Nampiantso an'i Mosesy i Farao ka nanao hoe: "Mandehana manompo an'i Yaveh. Afaka mandeha miaraka aminao na ny fianakavianao aza, fa ireo ondry aman'osinao sy ireo omby kosa dia tsy maintsy hajanona." 25 Fa hoy Mosesy hoe: "Tsy maintsy homenao biby atao sorona sy fanatitra dorana ihany koa izahay mba hanaovanay sorona azy ireo ho an'i Yaveh Andriamanitray. 26 Tsy maintsy miaraka aminay ihany koa ireo biby fiompinay; ka tsy hisy havela na dia kitro iray amin'ireo aza, fa tsy maintsy entinay hanompoana an'i Yaveh Andriamanitray ireo. Satria tsy fantatray hoe amin'ny inona no tsy maintsy hanompoanay an'i Yaveh mandra-pahatonganay any. 27 Fa nohamafisin'i Yaveh ny fon'i Farao, ka tsy hamela azy ireo andeha izy. 28 Hoy Farao tamin'i Mosesy hoe: "Mialà amiko! Fa mitandrema amin'ny zavatra iray, dia ny tsy hahitanao ahy intsony, satria amin'ny andro hahitanao ny tavako, dia ho faty ianao." 29 Hoy Mosesy hoe: "Voalazanao mihitsy. Tsy hahita ny tavanao intsony aho."
Miteny ny nanaovana an'i Farao sy ireo mpanompony ho mafy loha tahaka ny hoe nanamafisany ny fony Andriamanitra. Jereo ny nandikanao ny hoe "Nanamafy ny fon'i Farao i Yaveh" ao amin'ny 9:11.
"maro samihafa"
Io teny io dia manindry bebe kokoa izay lazaina manaraka. DH: "Tandremo izay holazaiko anao"
Ny havandra dia orana izay mivaingana rehefa milatsaka avy any an-danitra.
DH: "tsy nisy na iza na iza efa nahita"
Ny "fampitahorana" dia olona izay mitondra korontana na ratsy.
Manontany io fanontaniana io ireo mpanompo mba haneho an'i Farao ny fihitaran'ny faharavana tao Egypta. Io fanontaniana fampisainana io afaka adika ho fehezanteny. DH: "Tsy afaka hamela io lehilahy io mbola hitondra korontana amintsika ihany izahay!"
Manontany io fanontaniana io ireo mpanompon'i Farao mba haneho an'i Farao mba hitarihana an'i Farao mba hahalala izay tsy nojereny. Io fanontaniana fampisainana io afaka adika ho fehezanteny. DH: "Tokony hahalala ianao fa rava i Egypta!"
DH: "fa ireo areti-mandringana ireo dia efa nandrava an'i Egypta" na "fa ny Andriamanitr'izy ireo dia efa nandrava an'i Egypta"
Miteny izany i Farao mba hanindriana fa tsy hamela an'i Mosesy hitondra ny zaza hiaraka amin'izy ireo mba hanompo an'i Yaveh izy.
DH: "Dia noroahin'i Farao niala teo anatrehany i Mosesy sy i Arona" na "Dia nasian'i Farao noroahin'ireo mpanompony niala teo anatrehany i Mosesy sy i Arona"
Nisy valala maro be ka toy ny maizina ny tany. DH: "ka nahamaizina ny tany" na "ka toy ny maizina ny tany''
"indray mandeha"
Ny teny hoe "fahafatesana" eto dia manondro ny fahapotehana noho ny valala tamin'ny zava-manirin'i Egypta, izay hitarika ny fahafatesan'ny vahoaka ny farany satria tsy misy ahitra. Ny dikan'io fehezanteny io dia afaka hazavaina. DH: "atsaharo izao faharavana izao fa hitarika ny fahafatesanareo"
"namindra ireo valala any ivelany"
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno hamafisan-doha dia resahana toy ny hoe mafy ny fony. Jereo ny nandikanao io andian-teny io ao amin'ny 9:11. DH: "nahatonga an'i Farao hanjary manohitra kokoa"
Miresaka ny aizina tafahoatra Yaveh tahaka ny hoe matevim-be izany ka azon'ny olona samborina eny an-tanany. DH: "aizina matevina izay azon'ny olona samborina amin'ny tanany"
Eto ny teny hoe "kitro" dia manondro ny biby manontolo. DH: "tsy afaka hamela biby singany isika"
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno hamafisan-doha dia resahana toy ny hoe mafy ny fony. Jereo ny nandikanao io andian-teny io ao amin'ny 9:11. DH: "nahatonga an'i Farao hanjary manohitra kokoa"
"tsy hamela azy ireo andeha i Farao"
"Aoka hahazo antoka ny zavatra iray''
Eto ny teny hoe "tava" dia manondro ny olona manontolo. DH: "hitanao Aho"
Amin'ireo teny ireo, no nanindrian'i Mosesy fa nilaza ny marina i Farao. DH: "Izay nolazainao dia marina"
1 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Mbola misy areti-mandringana iray izay ho entiko amin'i Farao sy Egypta. Aorian'izay, dia hamela anareo handeha hiala eto izy. Rehefa mamela anareo izy ny farany, dia handroaka anareo tanteraka. 2 Toroy lalana ny vahoaka fa ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin'ny mpiray vodi-rindrina aminy. 3 Ary nataon'i Yaveh nila fitia tamin'ireo Israelita ny Egyptiana. Ary koa, Mosesy dia ilay lehilahy tena nahavariana teo imason'ireo mpanompon'i Farao sy ireo vahoakan'i Egypta. 4 Hoy Mosesy hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: 'Manodidina ny sasak'alina dia hamakivaky an'i Egypta aho. 5 Ireo lahimatoa rehetra ao amin'ny tany Egypta dia ho faty, manomboka amin'ny lahimatoan'i Farao, izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany, ka hatramin'ny lahimatoan'ny mpanompo vavy izay ao ambadiky ny fikosoham-bary mitoto izany, ary hatramin'ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. 6 Dia hisy fidradradradrana lehibe manerana ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy toy izany ary tsy hisy izany intsony. 7 Fa na dia ny aliaka aza dia tsy hivovo na amin'iza na amin'iza amin'ny vahoakan'Israely, na amin'ny olona na amin'ny biby. Amin'izany fomba izany no hahafantaranao fa samy hafa ny fitondrako ny Egyptiana sy ny Israelita.' 8 Ireo mpanomponao rehetra, ry Farao, dia hidina aty amiko ary hiankohoka eto amiko. Hiteny izy ireo hoe: "Mandehana, ianao sy ireo vahoaka izay manaraka anao!' Aorian'izay dia hivoaka aho." Dia nivoaka tao amin'i Farao tamim-pahatezerana mafy izy. 9 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Tsy hihaino anao i Farao. Izany dia mba hanaovako zava-mahagaga maro eo amin'ny tany Egypta." 10 Nataon'i Mosesy sy Arona teo anoloan'i Farao ireo fahagagana rehetra ireo. Fa i Yaveh nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy namela ny vahoakan'i Israely nivoaka ny taniny i Farao.
Ny teny hoe "anareo" dia manondro an'i Mosesy sy ny ambin'ireo Israelita.
Io dia amin'ny 12 ( alina) na 2400 ora.
Ny hoe "lahimatoa" dia manondro ny zanaka lahy zokiny indrindra.
Io andian-teny io dia manondro an'i Farao.
"izay mikosoka eo amin'ny fikosoham-bary" na "izay aorian'ny fikosoham-bary mikosoka vary"
Io dia midika fa hiala ao Egypta i Mosesy sy ny vahoaka. DH: "Aorian'izay dia hiala eto aho" na "Aorian'izay dia hivoaka hiala an'i Egypta aho"
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno hamafisan-doha dia resahana toy ny hoe mafy ny fony. Jereo ny nandikanao io andian-teny io ao amin'ny 9:11. DH: "nahatonga an'i Farao hanjary manohitra kokoa Yaveh"
1 Yaveh niteny tamin'i Mosesy sy Arona tao amin'ny tany Egypta. 2 Hoy Izy hoe: "Ho anareo, ity volana ity no ho fiandohan'ireo volana, dia ny voalohan'ny volana amin'ny taona ho anareo. 3 Lazao amin'ny fiangonan'Israely hoe: 'Amin'ny andro fahafolon'ity volana ity izy ireo dia tsy maintsy maka ondry na zanak'osy avy ho azy ireo, ny fianakaviana tsirairay dia samy hanao izany, zanak'ondry iray isaky ny fianakaviana. 4 Raha vitsy loatra ka tsy hahalany zanak'ondry iray ny fianakaviana iray, ny lehilahy sy ny mpiray vody rindrina aminy dia tokony haka ny henan-janak'ondry na zanak'osy izay ampy hohanin'ny isam-batan'olona. Tokony ho ampy hohanin'ny rehetra izany, noho izany izy ireo dia tsy maintsy maka hena sahaza hamokisana azy rehetra. 5 Tsy tokony hisy kilema mihitsy ny zanak'ondry na ny zanak'osinareo, lahy herintaona. Afaka maka iray amin'ireo ondry na osy ianareo. 6 Tsy maintsy karakarainareo tsara izany mandra-pahatongan'ny andro fahefatra ambin'ny folon'io volana io. Ary tsy maintsy mamono ireo biby ireo ny fiangonan'Israely manontolo amin'ny takariva. 7 Tsy maintsy maka sasany amin'ny rà ianareo ary mametraka izany amin'ny tolàm-baravarana anankiroa sy eo amin'ny tataom-baravaran'ny trano ao amin'izay hihinananareo ny hena. 8 Tsy maintsy hohaninareo amin'io alina io ilay hena, rehefa natono mialoha tamin'ny afo. Hoano miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira, miaraka amin'ny hanitra mafaitra izany. 9 Aza hohanina manta na ampangotrahana amin'ny rano izany. Fa kosa, atonoy amin'ny afo miaraka amin'ny lohany, ny tongony ary ny ao anatiny. 10 Tsy tokony havelanareo ho tratra maraina ny ambin'izany. Tsy maintsy doranareo izay sisa tavela amin'ny maraina. 11 Izao no fomba tsy maintsy hihinanareo izany: mifatotra ny fehi-kibonareo, ny kapanareo eny amin'ny tongotrareo, ary ny tehina eny an-tananareo. Tsy maintsy mihinana haingana izany ianareo. Izany no Paskan' i Yaveh. 12 Izao no lazain'i Yaveh: Handeha hamakivaky ny tany Egypta Aho amin'ity alina ity ka handringana ny voalohan-teraky ny olona sy ny biby rehetra ao amin'ny tany Egypta. Hitondra famaizana ho an'ireo andriamanitr'i Egypta rehetra Aho. Izaho no Yaveh. 13 Ny rà no ho famantarana eo amin'ny tranonareo ny amin'ny fahatongavako ao aminareo. Rehefa mahita ny rà Aho, dia handalo eo aminareo fotsiny rehefa handringana ny tany Egypta. Tsy ho ao aminareo ka handringana anareo ny loza. 14 Ho andro fahatsiarovana ho anareo io andro io, izay tsy maintsy hotandremanareo ho firavoravoana ho an'i Yaveh. Ho lalàna ho anareo mandrakariva, amin'ny taranaky ny vahoakanareo, fa tsy maintsy mitandrina izany andro izany ianareo. 15 Hihinana mofo tsy misy masirasira ianareo mandritra ny fito andro. Amin'ny andro voalohany ianareo dia hanala ny lalivay ao an-tranonareo. Na iza na iza mihinana mofo tsy misy masirasira amin'ny andro voalohany mandra-pahatonga ny andro fahafito, izany olona izany dia tsy maintsy halàna ao Israely. 16 Amin'ny andro voalohany dia hisy vondrona izay atokana ho Ahy, ary amin'ny andro fahafito dia hisy fanangonana hafa toy izany. Tsy misy asa ho atao amin'izany andro izany, afa-tsy ny mahandro sakafo hohanin'ny rehetra. Izany ihany no asa azonareo atao. 17 Tsy maintsy tandremanareo io andron'ny Fankalazana ny Mofo tsy misy Lalivay io satria amin'io andro io no hitondrako ny olonareo, isan-tokony avy, hiala ny tany Egypta. Ka tsy maintsy tandremanareo amin'ny taranaky ny olona izany andro izany. Ho lalàna ho anareo mandrakariva izany. 18 Tsy maintsy mihinana mofo tsy misy lalivay ianareo manomboka amin'ny takarivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohan'ny taona, mandra-pahatongan'ny takarivan'ny andro faha-iraika amby roapolon'ny volana. 19 Mandritra ireo andro fito ireo, dia tsy tokony hisy lalivay hita mihitsy ao an-tranonareo. Izay rehetra mihinana mofo misy lalivay dia ho alàna amin'ny vondron'Israely, na vahiny izany olona izany na olona teraka teo amin'ny taninareo. 20 Tsy tokony hihinana zavatra misy lalivay mihitsy ianareo. Na aiza na aiza honenanao, dia tsy maintsy mihinana mofo tsy misy masirasira."' 21 Ary niantso ny loholon'Israely rehetra i Mosesy ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Mandehana ary misafidiana ondry na zanak'ondry izay ampy hamahanana ny fianakavianareo ka vonoy ny zanak'ondrin'ny Paska. 22 Avy eo dia makà rantsana hysopa ary atsobohy ao anatin'ny rà izay ao anaty koveta izany. Hosory amin'ny tolàm-baravarana roa sy tataom-baravarana ny rà izay tao anaty koveta. Tsy misy na iza na iza mahazo mivoaka ny tranony mandra-piavin'ny maraina. 23 Satria Yaveh dia handalo mba handringana ireo Egyptiana. Rehefa mahita ny rà amin'ny tataom-baravarana sy ny tolàm-baravarana roa Izy, dia handalo fotsiny amin'ny varavaranareo ary tsy hamela ny mpandringana hiditra ao an-tranonareo mba hamely anareo. 24 Tsy maintsy tandremanareo izany fotoana izany. Ho lalàna mandrakariva ho anareo sy ny taranakareo izany. 25 Rehefa hiditra ny tany izay homen'i Yaveh anareo ianareo, araka izay efa nampanantenainy ho ataony, dia tsy maintsy hitandrina izany fomba fivavahana izany ianareo. 26 Rehefa manontany anareo ny zanakareo hoe: 'Inona no dikan'izao fomba fivavahana izao?' 27 dia tsy maintsy hiteny ianareo hoe: 'Soron'ny Paskan'i Yaveh izao, satria nandalo tamin'ny tranon'ireo Israelita tao Egypta Yaveh rehefa namely an'ireo Egyptiana. Nanafaka ny ankohonanay Izy."' Dia niankohoka ny vahoaka ka nidera an'i Yaveh. 28 Nandeha ireo Israelita ka nanao araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy sy Arona. 29 Ary tamin'ny sasak'alina dia naringan'i Yaveh ny voalohan-teraka rehetra tao amin'ny tany Egypta, nanomboka tamin'ny lahimatoan'i Farao, izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany, hatramin'ny lahimatoan'ilay olona tany an-tranomaizina mbamin'ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. 30 Nifoha i Farao nony alina—izy, ireo mpanompony rehetra, ary ny Egyptiana rehetra. Nisy fitomaniana mafy tao Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nisy maty tao anatiny. 31 Niantso an'i Mosesy sy Arona i Farao ny alina ary niteny hoe: "Mitsangàna, mialà eo amin'ny vahoakako, ianareo sy ireo Israelita. Mandehana, manompoa an'i Yaveh, araka izay nambaranareo fa tianareo hatao. 32 Ento ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo, araka izay nolazainareo, ary mandehana, ka tsofy rano ihany koa aho." 33 Tao anaty fahamaikana tanteraka no nandroahan'ireo Egyptiana azy ireo hiala ny tany, satria hoy izy ireo: "ho faty daholo isika rehetra." 34 Koa dia naka ny koba tsy misy lalivay ny vahoaka. Efa nifatotra tao amin'ny akanjon'izy ireo sy teo amin'ny sorok'izy ireo ny lovia fihinanana. 35 Ary nanao araka izay nolazain'i Mosesy azy ireo ny vahoakan'Israely. Nangataka volafotsy, volamena, ary akanjo tamin'ireo Egyptiana izy ireo. 36 Nataon'i Yaveh nila sitraka tamin'ireo Israelita ny Egyptiana. Ka nomen'ireo Egyptiana azy ireo avokoa izay rehetra nangatahin'izy ireo. Tamin'izany fomba izany no nandroban'ireo Israelita an'ireo Egyptiana. 37 Nandeha avy tany Ramesesy nankany Sokota ireo Israelita. Teo ho eo amin'ny 600. 000 lahy izy ireo no nandeha tongotra, niampy ireo zaza amam-behivavy. 38 Vahoaka nifangaro izay tsy Israelita ihany koa no nandeha niaraka tamin'izy ireo, niaraka tamin'ny ondry aman'osy sy omby, ary biby fiompy marobe. 39 Nanao mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba izay nentiny avy tany Egypta izy ireo. Tsy nisy masirasira izany satria noroahina avy tao Egypta izy ireo ka tsy afaka nitaraikiraiky tamin'ny fikarakarana sakafo. 40 430 taona no niainan'ireo Israelita tao Egypta. 41 Tamin'ny fiafaran'ny 430 taona, tamin'izany andro izany indrindra, no nialan'ireo antokon'i Yaveh rehetra tao amin'ny tany Egypta. 42 Alina tsy fatoriana io alina io, satria Yaveh no nitondra azy ireo hiala ny tany Egypta. Izany no alin'i Yaveh izay tokony ho tandreman'ireo Israelita rehetra hatramin'ny taranaky ny vahoakan'izy ireo. 43 Hoy i Yaveh tamin'i Mosesy sy Arona: "Ity no fitsipika amin'ny Paska: tsy misy vahiny manana anjara amin'ny fihinanana izany. 44 Kanefa, ny andevon'ny Israelita rehetra, izay novidiam-bola, dia afaka mihinana rehefa avy noforainareo izy. 45 Ireo vahiny sy ireo mpanompo nokaramaina dia tsy mahazo mihinana amin'ny sakafo. 46 Ny sakafo dia tsy maintsy hohanina ao an-trano. Tsy tokony hitondra ny hena any ivelan'ny trano ianareo, ary tsy tokony hanapaka taolana amin'izany mihitsy. 47 Tsy maintsy mitandrina ny firavoravoana avokoa ny fiaraha-monina Israely rehetra. 48 Raha misy vahiny miara-mipetraka aminareo ka te-hitandrina ny Paskan'i Yaveh, dia tsy maintsy foraina avokoa ireo havany lehilahy rehetra. Ary afaka tonga izy ka mitandrina izany. Na izany aza, dia tsy misy olona tsy voafora afaka mihinana amin'ny sakafo. 49 Izany lalàna izany sady hihatra amin'ny teratany sy ny vahiny izay mipetraka eo aminareo." 50 Koa dia tena nanao araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy sy Arona ireo Israelita rehetra. 51 Ary tamin'io andro io indrindra no nitondran'i Yaveh ny isan-tokon'Israely nivoaka ny tany Egypta.
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manindry fa ny volana izay nitrangan'izany zava-niseho tamin'ity toko ity dia ho fiatombohan'ny tetiandron'ny taonan'izy ireo.
Tafiditra amin'ny volana voalohan'ny tetiandro Hebreo ny tapany faran'ny Martsa sy ny tapany voalohan'ny Aprily amin'ny tetiandro Tandrefana. Izany dia manamarika ny namonjen'i Yaveh ireo Israelita tamin'ireo Egyptiana.
Izany dia midika fa vitsy ny olona ao amin'ny fianakaviana mba hihinana zanak'ondry iray. DH: "Raha vitsy ny olona ao amin'ny tokantrano mba hihinana zanak'ondry iray"
Eto ny hoe "lehilahy" dia manondro lehilahy izay lohan'ny fianakaviana.
Io dia manondro ny fotoana hariva aorian'ny filentehan'ny masoandro nefa mbola misy fahazavana ihany.
"eo amin'ireo lafiny sy tampon'ny lalana mankao an-trano"
DH: "Hano miaraka amin'ny mofo izay nataonao tsy nisy lalivay izany"
Io dia zava-maniry kely izay matetika mahery sady ratsy tsiro.
"Aza mihinana ny zanak'ondry na ny osy tsy masaka"
DH: "Aza misy amelana mandra-maraina amin'izany"
Io dia manondro hoditra misadika na zavatra hamatorana manodidina ny valahana.
"hano malaky"
Eto ny teny hoe ''izany" dia manondro ny fihinanana ny biby amin'ny andro fahafolon'ny volana. DH: "Izany fankalazana izany dia Pask'i Yaveh"
DH: "Hanasazy ny andriamanitr'i Egypta rehetra Aho"
Io dia midika fa hahita ny rà izay manondro ny tranon'ny Israelita i Yaveh. DH: "izay ho hitako rehefa mankany aminareo Aho"
Ny teny hoe ''handalo'' dia fomba fiteny entina hilazana fa tsy nitsidika na niditra. DH: "Tsy hiditra ao amin'ny tranonareo Aho"
"ho anareo sy ireo taranaka rehetra.
Ny sarinteny hoe "halàna" farafaharatsiny dia misy dikany telo. 1) "ny vahoakan'Israely dia tsy maintsy handefa azy" na 2) "tsy hihevitra azy ho iray amin'ny vahoakan'Israely intsony Aho" na 3) "tsy maintsy hamono azy ny vahoakan'Israely".
DH: "vondrona izay natokanao ho Ahy"
DH: "Tsy hiasa ianao amin'ireo andro ireo"
DH: "Izany ihany no asa tokony ataonao"
Ny teny nampiasaina tamin'ireo vondrona ireo dia tenin'ny tafika manondro isana miaramila marobe. DH: "isam-pizarana" na "isaky ny rezimanta"
Io dia manondro ny fotoana hariva aorian'ny filentehan'ny masoandro nefa mbola misy hazavana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 12:5.
Izany dia ny volana voalohan'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahaefatra ambiny folo dia akaikin'ny fanombohan'ny Aprily amin'ny tetiandro Tatsinanana.
"andro faha-iraika amby roapolon'ny volana voalohany". Izany dia akaikin'ny antenantenan'ny Aprily amin'ny tetiandro Tandrefana.
DH: "tsy tokony hisy lalivay mihitsy ao an-tranonareo"
Ny sarinteny hoe "halàna" farafaharatsiny dia misy dikany telo. 1) "ny vahoakan'Israely dia tsy maintsy handefa azy" na 2) "tsy hihevitra azy ho iray amin'ny vahoakan'Israely intsony Aho" na 3) "tsy maintsy hamono azy ny vahoakan'Israely". Jereo ny nandikanao "tsy maintsy halàna amin'ny Israely" ao amin'ny 12:15.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 12:5. DH: "mofo izay tsy nasianao lalivay"
"niantso"
Io dia zava-maniry ao amin'ny fianakavian'ny solila, izay be hazo ary nampiasaina anamboarana hazo fisaka.
"eo amin'ny lafiny sy eo amin'ny tampon'ny lalana miditra ao an-trano." Jereo ny nandikanao io andianteny io ihany ao amin'ny 12:5.
Eto ny teny hoe "varavarana'' dia midika ny trano manontolo. Izany dia midika fa mamindra fo amin'ny Israelita ao an-trano misy rà eo am-baravarana. DH: "mandalo ny tranonareo"
Ireo andianteny ireo dia manondro ny Paska na ny Firavoravoan'ny Mofo Tsy misy masirasira. Ny fandinihana ny Paska dia fihetsika fanompoana an'i Yaveh.
Izany dia midika fa namindra fo ireo zanaka lahimatoan'ireo Israelita Yaveh. DH: "Tsy namono ny zanaka lahimatoa tao amin'ny tranonay Izy"
"ny zavatra rehetra izay nolazain'i Mosesy sy Arona mba hatao"
"amin'ny manasaka ny alina''
Eto, ny hoe "lahimatoa" dia manondro mandrakariva ny zanakalahy zokiny indrindra. Jereo ny nandikanao izany andianteny izany ihany ao amin'ny 11:4.
Izany dia manondro an'i Farao.
"ny lahimatoan'ny olona ao an-tranomaizina.'' Izany dia manondro ireo voafonja, amin'ny ankapobeny, fa tsy ny olona voafaritra ao an-tranomaizina.
DH: "nitomany mafy ireo Egyptiana rehetra"
DH: "satria nisy olona maty isan-trano"
Mampiasa mari-potoana ankehitriny ireo Egyptiana mba hanindriana fa ho faty tokoa izy ireo raha tsy miala ao Egypta izy ireo. DH: "Ho fat y avokoa izahay raha tsy miala ianao"
DH: "Efa nifatotra teo amin'ny akanjony sy teo amin'ny sorony ny lovia fihinanan'izy ireo"
Ramesesy dia tanàna Egyptiana izay nitehirizina vary. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:11.
"Ny fitambaran'isan'ireo lehilahy ireo dia 600.000
"mofo tamin'ny koba izay tsy misy lalivay"
DH: "nandroaka azy ireo niala tao Egypta ireo Egyptiana"
Io dia manondro ireo fokon'Israely. Jereo ny nandikanao ny hoe "antoko tafika" ao amin'ny 12:17.
DH: "izay tandreman'ireo Israelita"
"ireo Israelita rehetra sy ireo taranaka rehetra"
Ny mpisolo-tena "izany'' dia manondro ny sakafon'ny Paska.
"mpanompon'ny Israelita"
DH: "izay novidian'ny Israelita vola"
DH: "Ny fianakaviana Israelita dia tsy maintsy hihinana sakafo ao an-trano iray"
"aza tapahinao ny taolan'izany rehetra. "Eto ny teny hoe "izany" dia manondro ny zanak'ondry izay nohanin'ny fianakaviana Israelita.
DH: "tsy maintsy hamora ireo havany lehilahy rehetra ny olona"
Eto ny teny hoe "tany" dia manondro an'i Kanana. Ny fomba fiteny hoe "teraka tao amin'ilay tany" dia midika ho olona izay teratany Israelita. DH: "ireo izay Israelita vao teraka"
DH: "ny olona voafora ihany no afaka mihinana"
"ny zavatra rehetra izay nolazain'i Yaveh an'i Mosesy sy Arona hatao"
Io andianteny io eto dia nampiasaina mba hanamarika tranga lehibe tamin'ny tantara. Raha tsy misy azo hilazana izany amin'ny fiteninao, dia afaka ampiasainao eto izany.
Ny teny nampiasaina amin'ireo vondrona ireo dia teny miaramila manondro miaramila maro an'isa. Jereo ny nandikanao ny hoe "isan-toko" ao amin'ny 12:17. DH: "isam-pizarana" na "isaky ny rezimanta"
1 Niteny tamin'ny Mosesy Yaveh ary nanao hoe: 2 "Atokany ho ahy ny teraka voalohany rehetra, ireo lahimatoa rehetra ao amin'ireo Israelita, na olona na ireo biby. Ahy ireo voalohan-terak." 3 Ary hoy i Mosesy tamin'ny vahoaka hoe: "Tsarovy sy ankalazao izao andro izao, dia ny andro izay nivoahanareo avy tany Egypta, avy tamin'ny trano fanandevozana, satria tamin'ny tanana maherin'i Yaveh no nitondrany anareo nivoaka avy tao amin'io toerana io. Tsy misy mofo misy lalivay azo hohanina. 4 Hivoaka an'i Egypta amin'ity andro ity ianareo, amin'ny volan'i Abiba. 5 Rehefa entin'i Yaveh ao amin'ny tanin'ny Kananita, Hitita, Amorita, Hivita, ary ny Jebosita, ny tany izay nianianany tamin'ireo razanareo homeny anareo, dia ny tany tondra-dronono sy tantely— dia tsy maintsy hitandrina izany fomba fivavahana izany ianareo amin'io volana io. 6 Mandritra ny fito andro dia tsy maintsy mihinana mofo tsy misy lalivay ianareo; amin'ny andro fahafito dia hisy andro firavoravonana mba hanomezam-boninahitra an'i Yaveh. 7 Mofo tsy misy lalivay no tsy maintsy hohanina mandritra ny fito andro; tsy tokony hisy mofo misy lalivay akory hita eo aminareo. Tsy misy lalivay tokony ho hita miaraka aminareo ao anatin'ny sisin-taninareo. 8 Amin'izany andro izany dia hilaza amin'ireo zanakao ianao hoe: 'Izany dia noho izay nataon'i Yaveh tamiko rehefa nivoaka tany Egypta aho.' 9 Izany dia ho fampatsiahivana ho anareo eo amin'ny tananareo, ary fampatsiahivana eo amin'ny handrinareo. Izany dia mba ho eo am-bavanareo ny lalàn'i Yaveh, fa tamin'ny tanana maherin'i Yaveh no nitondrana anareo nivoaka avy tao Egypta. 10 Noho izany dia tsy maintsy tandremanareo ity lalàna ity amin'ny fotoana efa voatondro isan-taona isan-taona. 11 Rehefa mitondra anareo ao amin'ny tanin'ireo Kananita Yaveh, araka ny nianianany taminareo sy ireo razanareo fa ho ataony, ary rehefa manome ny tany ho anareo Izy, 12 dia tsy maintsy hanokana ho Azy ny zaza voalohan-teraka rehetra sy ny voalohan-terak'ireo bibinareo. Ary ho an'i Yaveh ireo lahy. 13 Ireo voalohan-teraky ny boriky rehetra dia tsy maintsy hamidy zanak'ondry. Raha tsy mamerina mividy izany ianao, dia tsy maintsy manapaka ny vozony. Fa ireo lahimatoa rehetra eo aminareo—dia tsy maintsy averinareo vidiana. 14 Raha manontany anao ny zanakao lahy any aoriana hoe: "Inona no dikan'izao?" dia ho lazainao azy hoe: "Tamin'ny tana-maherin'i Yaveh no nitondrany anay nivoaka avy tao Egypta, tao amin'ny trano fanandevozana. 15 Rehefa nandà mafy ny hamela anay handeha i Farao, dia novonoin'i Yaveh ny voalohan-teraka tao amin'ny tany Egypta, ny voalohan-teraky ireo vahoaka sy ny voalohan-terak'ireo biby. Izany no antony anaovako sorona ho an'i Yaveh ny lahy voalohan-teraky amin'ny biby rehetra, ary ny antony hamerenako ny vidin'ny lahimatoa amin'ireo zanako.' 16 Ho zary fampatsiahivana eo amin'ny tananao, sy fampatsiahivana eo amin'ny handrinao izany, fa tamin'ny tana-mahery no namoahan'i Yaveh antsika avy tao Egypta." 17 Rehefa namela ny vahoaka nandeha i Farao, dia tsy nitarika azy ireo tamin'ny làlana tany amin'ny tanin'ireo Filistina Andriamanitra, na dia teo akaiky teo aza izany tany izany. Fa hoy Andriamanitra hoe: "Angamba hiova hevitra ireo vahoaka raha mandalo ady ary hiverina any Egypta." 18 Fa nentin'Andriamananitra nanodidina ny efitry ny Ranomasina Mena ireo vahoaka. Niakatra avy tao amin'ny tany Egypta ireo Israelita ary nivonona ho amin'ny ady. 19 Ary nentin'i Mosesy niaraka taminy ny taolam-balon'i Josefa, fa Josefa nampianiana mafy ireo Israelita ka nilaza hoe: "Azo antoka fa hamonjy anareo Andriamanitra, ary tsy maintsy hitondra ny taolam-baloko miaraka aminareo ianareo." 20 Nandeha avy tany Sokota ireo Israelita ary nitoby tao Etama teo amin'ny sisin'ny tany efitra. 21 Yaveh nandeha teo alohan'izy ireo tao amin'ny andri-rahona tamin'ny atoandro mba hitarika azy ireo eny an-dalana. Ary ny alina Izy dia nandeha toy ny andri-afo mba hanome azy fahazavana. Tamin'izany fomba izany no nahafahan'izy ireo nandeha ny andro sy ny alina. 22 Tsy nanaisotra ny andri-rahona ny atoandro na ny andri-afo ny alina nanoloana ireo vahoaka Yaveh.
Mitaky Andriamanitra fa tokony hatokana ho Azy ny zanaka lahimatoa rehetra.
Ny teny hoe "Tsarovy" dia fomba fiteny entina hilazana olona mba hahatadidy zavatra. DH: "Tadidio ary ankalazao izao andro"
Resahin'i Mosesy tahaka ny hoe trano izay hametrahana mpanompo ny Egypta. DH: "ny toerana izay naha-mpanompo anareo"
Eto ny teny hoe "tanana" dia manondro hery. Jereo ny nandikanao ny "tanana mahery" ao amin'ny 6:1.
DH: "Tsy maintsy hihinana mofo misy lalivay ianareo"
Izany dia anaran'ny volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Abiba dia mandritra ny tapany farany amin'ny Martsa ary tapany voalohany amin'ny Aprily amin'ny tetiandro Tandrefana.
Satria mivoaka avy amin'ny ombivavy sy osy, ny "ronono" dia manondro sakafo vokarin'ny biby fiompy. Satria vokarin'ny voninkazo ny tantely, ny "tantely" dia manondro sakafo avy amin'ny vokatra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 3:7. DH: "sakafo avy amin'ny biby fiompy sy avy amin'ny vokatra"
Rehefa nipetraka tao Kanana ireo Israelita, dia nankalaza ny Paska tamin'io andro io isan-taona. Jereo ny nandikanao io andianteny io ao amin'ny 12:24.
Manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely i Mosesy.
"mandritra ny 7 andro"
DH: "Tsy mihinana mofo tsy misy masirasira ianareo"
DH: "Tsy tokony hisy mofo misy lalivay eo aminareo"
DH: "Tsy tokony hanana lalivay mihitsy ianareo"
"anatin'izay sisitany amin'ny taninareo"
DH: "Amin'ny andro tokony hilazanao amin'ireo zanakao fa izany dia noho ny nataon'i Yaveh anao fony nivoaka avy tao Egypta ianao"
Ireo dia karazana fampahatsiahivana ara-batana samihafa mba tsy hanadino ny zava-dehibe ny olona.
Resahin'i Mosesy toy ny hoe mifatotra amin'ny zavatra manodidina ny tanan'izy ireo mba hampatsiahy azy ireo izay nataon'i Yaveh ny fankalazana ny firavoravoana. DH: "tahaka ny zavatra afatotrao manodidina ny tananao ho fampahatsiahivana"
Resahin'i Mosesy toy ny hoe mifatotra amin'ny zavatra manodidina ny handrin'izy ireo mba hampatsiahy azy ireo izay nataon'i Yaveh ny fankalazana ny firavoravoana. DH: "tahaka ny zavatra afatotrao manodidina ny lohanao ho fampahatsiahivana"
Ny teny hoe "eo am-bavanareo" eto dia manondro ireo teny izay nolazain'izy ireo. DH: "mba hiresaka mandrakariva ny lalàn'i Yaveh"
Ny teny hoe "tanana" eto dia manondro ny fihetsik'Andriamanitra sy ireo asany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:1. DH: "ny hery hasehoko amin'ireo asako"
"ary rehefa manome ny tanin'ireo Kananita ho anareo"
Nomena safidy ny Israely mba hamono ny voalohan-teraky ny boriky na hanakalo izany ho zanak'ondry.
Ny olona rehetra ao amin'ny Israely izay nanan-janaka lahimatoa, dia tsy maintsy hivarotra izany.
DH: "Raha manontany anao izay dikan'izany ny zanakao lahy any aoriana any, dia hilaza azy ianao"
Ny teny hoe "tanana" eto dia manondro ny fihetsik'Andriamanitra na ireo asany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:1. DH: "ny hery hasehoko ao amin'ireo asako"
Resahin'i Mosesy toy ny hoe trano izay nitazonan'ny olona ireo andevo i Egypta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:3. DH: "toerana izay naha-andevo anao"
Izany dia milaza fomba roa hampahatsiahivana ny hasarobidin'ny paska. Jereo ny nandikanao io andianteny io ihany ao amin'ny 13:8.
"akaikin'izay nipetrahan'izy ireo"
Satria niaina tao anatin'ny fanandevozana tamin'ny androny rehetra ireo Israelita, dia zatra filaminana kokoa izy ireo noho ny ady ka hiverina any amin'ny fanandevozana fa tsy hiady.
Etama dia any atsimon'ny lalana mankany amin'ireo Filistina, eo amoron'ny efitra.
"rahona miendrika andry...afo miendrika andry". Miaraka amin'izy ireo tamin'ny rahona ny andro ary tamin'ny afo ny alina Andriamanitra.
1 Yaveh niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 "Ambarao amin'ireo Israelita fa tokony hiverina ary hitoby eo alohan'i Pi-Hahirota, eo anelanelan'i Migdola sy ny ranomasina, eo alohan'i Bahala-Zefona izy ireo. Tokony hitoby eo akaikin'ny ranomasina mifanandrify amin'i Pi-Hahirota ianareo. 3 Fa hilaza ny amin'ireo Israelita i Farao hoe: 'Mirenireny voan'ny tamberintany ireo Israelita. Tampina tamin'izy ireo ny efitra.' 4 Hanamafy ny fon'i Farao Aho, ka hanenjika azy ireo izy. Hahazo voninahitra Aho nohon'ny amin'i Farao sy ny tafiny rehetra. Ka dia ho fantatry ireo Egyptiana fa Izaho no Yaveh." Koa dia nitoby araka izay natoro azy ireo ny Israelita. 5 Rehefa voalaza tamin'ny mpanjakan'ny Egypta fa nandositra ireo Israelita, dia namadika ny sainy tamin'ny vahoaka i Farao sy ireo mpanompony. Hoy izy ireo hoe: "Fa inona ity nataontsika ity tamin'ny famelana an'Israely andeha an-kalalahana tsy hanompo antsika?" 6 Ary nanomana ny kalesiny i Farao ary nitondra ny tafiny niaraka taminy. 7 Naka kalesy voafidy manokana enin-jato miampy ireo kalesin'i Egypta hafa rehetra izy, niaraka tamina manam-boninahitra tao amin'izy rehetra. 8 Nanamafy ny fon'i Farao, mpanjakan'i Egypta i Yaveh, ka nanenjika ireo Israelita ny mpanjaka. Ary efa lasa lavitra tamim-pandresena ny Israelita. 9 Saingy nanenjika azy ireo ny Egyptiana niaraka tamin'ny soavaly sy ny kalesin'izy ireo rehetra, ireo mpitaingin-tsoavaliny, ary ny tafiny. Tratran'izy ireo nitoby teo amoron'ny ranomasina akaikin'i Pi-Hahirota, teo alohan'i Bala-Zefona ireo Israelita. 10 Rehefa nanatona akaiky i Farao, dia niandrandra ireo Israelita ary taitra. Nanao rodobe taorian'izy ireo ny Egyptiana, ka raiki-tahotra izy ireo. Niantsoa mafy an'i Yaveh ireo Israelita. 11 Hoy izy ireo tamin'i Mosesy hoe: "Satria ve tsy misy fasana any Egypta, no dia nentinao ho faty aty an-tany efitra aty izahay? Nahoana no nataonao tahaka izao izahay, ka nentinao niala tany Egypta? 12 Tsy izao ve no efa nolazainay taminao tany Egypta? Hoy izahay taminao hoe: 'Avelao izahay amin'izao, mba hahafahanay miasa ho an'ny Egyptiana.' Tsara ho anay kokoa ny niasa ho an'ny Egytiana toy izay maty aty an'efitra aty." 13 Hoy Mosesy tamin'ny vahoaka hoe: "Aza matahotra. Mihandrasa ary ho hitanareo ny famonjena izay homen'i Yaveh ho anareo anio. Fa tsy ho hitanareo intsony ireo Egyptiana izay hitanareo androany. 14 Yaveh no hiady ho anareo, ary hiandry fotsiny ianareo." 15 Ary hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Nahoana ianao ry Mosesy, no mbola miantso Ahy ihany? Teneno ireo Israelita mba handroso. 16 Asandrato ny tehinao, ahinjiro eo amin'ny ranomasina ny tananao ka zarao roa izany, mba hahafahan'ny vahoakan'Israely mamakivaky ny ranomasina amin'ny tany maina. 17 Tsarovy fa hanamafy ny fon'ny Egyptiana Aho ka hanenjika azy ireo izy. Hahazo voninahitra aho nohon'ny amin'i Farao sy ireo miaramilany, ny kalesiny, ary ireo mpitaingin-tsoavaliny rehetra. 18 Ary ho fantatr'ireo Egyptiana fa Izaho no Yaveh rehefa nahazo voninahitra nohon'ny tamin'i Farao, ireo kalesiny, ary ireo mpitaingin-tsoavaliny Aho." 19 Ny anjelin'Andriamanitra, izay nandeha teo alohan'ireo Israelita, dia nifindra ary nankao an-damosin'izy ireo. Nifindra avy teo anoloan'izy ireo ry nankao aorian'izy ireo ny andry rahona. 20 Nankeo anelanelan'ny tobin'ny Egypta sy ny tobin'Israely ilay andry rahona. Rahona mainty ho an'ireo Egyptiana izany, saingy nanazava ny alina ho an'ireo Israelita, ka tsy nisy andaniny nankany amin'ny iray hafa nandritry ny alina. 21 Naninjitra ny tanany teo amin'ny ranomasina i Mosesy. Nampihemotra ny ranomasina tamin'ny rivo-mahery avy tany atsinanana Yaveh tamin'io alina io ka namadika ny ranomasina ho tany maina. Tamin'izany no nizara roa ny rano. 22 Nandeha teny afovoan'ny ranomasina teo amin'ny tany maina ireo Israelita. Namorona rindrina teo ankavanana sy ankavian'izy ireo ny rano. 23 Nanenjika azy ireo ny Egyptiana. Nanenjika azy ireo nankao afovoan-dranomasina—ireo soavaly, kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavalin'i Farao rehetra. 24 Saingy vao maraim-be, dia nijery ny tafika Egyptiana teo amin'ny andrin'afo sy rahona i Yaveh. Nahatonga horohoro teo amin'ireo Egyptiana Izy. 25 Nihitsoka ny kodiaran'ireo kalesy, ary nandeha tamim-pahasahiranana ireo mpitaingin-tsoavaly. Koa dia hoy ireo Egyptiana hoe: "Andeha isika handositra an'Israely, fa Yaveh no miady amintsika ho azy ireo." 26 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Ahinjiro eo amin'ny ranomasina ny tananao mba hiverina hidoboka eo amin'ireo Egyptiana, ny kalesin'izy ireo ary ireo mpitaingin-tsoavaliny ny rano." 27 Koa dia nahinjitr'i Mosesy teo amin'ny ranomasina ny tanany, ary niverina tamin'ny laoniny izany rehefa tonga ny maraina. Nandositra tao amin'ny ranomasina ireo Egyptiana, ary nosintonin'i Yaveh teo afovoan'izany izy ireo. 28 Niverina ny rano ka nanarona ireo kalesy, ireo mpitaingin-tsoavaly ary ireo tafika rehetra izay nanaraka ny kalesy tao anaty ranomasina. Tsy nisy tafavoaka velona. 29 Kanefa, ireo Israelita dia nandia tany maina teo afovoan-dranomasina. Rindrina avy teo an-tanana ankavanana sy ankavia ho azy ireo ny rano. 30 Koa namonjy an'Israely tamin'ny tanan'ny Egyptiana i Yaveh tamin'io andro io, ary nahita fatina Egyptiana teo amoron-dranomasina i Mosesy. 31 Rehefa nahita ny hery lehibe nampiasain'i Yaveh hanoherana ny Egyptiana ny Israely, dia nanome voninahitra an'i Yaveh ny vahoaka, ary nino an'i Yaveh sy Mosesy mpanompony izy ireo.
Ireo dia vohitra any amin'ny sisitany atsinanan'i Egypta.
Eto ny teny hoe "ianareo" dia manondro an'i Mosesy sy ireo Israelita.
DH: "Hilaza i Farao fa mirenireny any amin'ny tany ireo Israelita ary nikatona tamin'izy ireo ny efitra"
Resahin'i Farao toy ny olona izay namandrika ireo Israelita ny efitra.
Manohy manoro an'i Mosesy i Yaveh ny amin'izay alehany sy ny amin'izay hataon'i Yaveh.
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno fahamafisan-doha dia resahina toy ny hoe mafy ny fony. Jereo ny nandikanao izany andian-teny izany ihany ao amin'ny 9:11. DH: "Hahatonga an'i Farao hanohitra kokoa Aho"
"Hanenjika ireo Israelita i Farao"
"Hanome voninahitra Ahy izy ireo"
"Ho takatry ny Egyptiana fa Izaho no Yaveh, Ilay Andriamanitra tena izy"
DH: "Koa hitoby araka izay natoron'i Yaveh azy ireo ny Israelita"
DH: "Rehefa nisy olona niteny tamin'ny mpanjakan'ny Egypta"
Io dia manondro an'i Farao.
"nitsoaka"
Eto ny teny hoe "saina" dia manondro ny fahazaran'izy ireo tamin'ireo Israelita. DH: "Nanova ny fahazaran'izy ireo tamin'ny vahoaka i Farao sy ireo mpanompony"
Mametraka io fanontaniana io izy ireo mba hanehoana fa nihevitra izy ireo fa nanao zavatra hadalana izy ireo. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Efa nahavita zavatra adaladala tamin'ny namelana ny Israely ho afaka tsy hiasa ho antsika isika!"
"Naka 600 tamin'ireo kalesiny tsara indrindra izy"
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno fahamafisan-doha dia resahina toy ny hoe mafy ny fony. Jereo ny nandikanao izany andian-teny izany ihany ao amin'ny 9:11. DH: "Hahatonga an'i Farao hanohitra kokoa i Yaveh"
Ireo dia vohitra atsinanan'ny sisitany any Egypta. Jereo ny nandikanao ireo ao amin'ny 14:1.
Ny teny hoe "Farao" eto dia manondro ny tafik'i Egypta manontolo. DH: "Rehefa nanatona i Farao sy ny tafiny"
"raiki-tahotra ireo Israelita"
Manontany io fanontaniana io ireo Israelita mba hilazana ny tebiteby sy ny fahatahoran'izy ireo fahafatesana. Io fanontaniana fampisainana io afaka adika ho fanambarana. DH: "Nisy fasana betsaka mba handevenana anay tany Egypta. Tsy tokony nitondra anay ho any an'efitra mba ho faty ianao!"
Manontany io fanontaniana io ireo Israelita mba hibedesana an'i Mosesy tamin'ny nitondrana azy ireo tany an'efitra mba ho faty. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy tokony nanao anay toy izao tamin'ny nitondranao anay nivoaka tany Egypta ianao!"
Manontany io fanontaniana io ireo Israelita mba hanindriana fa izany no efa nolazain'izy ireo tamin'i Mosesy. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Izany mihitsy no efa nolazainay taminao fony mbola tany Egypta izahay."
DH: "Noteneninay ianao hoe avelao izahay, mba ahafahanay miasa ho an'ireo Egyptiana."
Mamaly ny tahotr'ireo Israelita i Mosesy.
Ny mpisolotena "ianareo" dia manondro ireo Israelita.
Nampiasa io fomba fiteny mihaja io i Mosesy hilazana fa handeha hamotika ny tafik'i Egypta Andriamanitra. DH: "Fa hamono ireo Egyptiana Andriamanitra"
Niangavy vonjy tamin'Andriamanitra i Mosesy ka mampiasa io fanontaniana io Andriamanitra mba hanerena an'i Mosesy hanao zavatra. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Aza miantso Ahy intsony, ry Mosesy".
"zarao roa ny ranomasina"
"Fantaro"
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno fahamafisan-doha dia resahina toy ny hoe mafy ny fony. Jereo ny nandikanao izany andian-teny izany ihany ao amin'ny 9:11. DH: "Hahatonga ireo Egyptiana hanohitra kokoa Aho"
"mba hiditra ao amin'ny ranomasina aorian'ireo Israelita ireo Egyptiana"
''ny tafika Egyptiana sy ireo vahoaka Israelita" (UDB)
Izany dia midika fa tsy afaka nifanakaiky ireo Egyptiana sy ireo Israelita.
Rivotra avy any atsinanana niandoha avy tany atsinanana ary mitsoka miankandrefana.
izay hiposahan'ny masoandro
DH: "Nanasaraka ny rano i Yaveh"
"teo amin'ny ankilan'izy ireo tsirairay avy'' na "tamin'ny lafiny roan'izy ireo"
Ny horohoro dia rehefa lasa matahotra loatra fa tsy nihevitra tsara izy ireo.
DH: "Nampihitsoka ny kodiaran'ny kalesin'izy ireo ny fotaka" na "Niraikitra tao amin'ny fotaka ny kodiaran'ny kalesin'izy ireo"
DH: "Notenin'i Yaveh mba haninjitra ny tanany amin'ny ranomasina i Mosesy mba hiverina amin'ireo Egyptiana; ny kalesin'izy ireo, ary ny mpitaingin-tsoavaliny ny rano."
"hianjera amin'ny"
Satria nikatona teo an-tampon'ireo Egyptiana ny ranomasina, raha tokony nandositra, dia nihazakazaka nankao an-dranomasina indray aza izy ireo.
"natosik'i Yaveh ireo Egyptiana" na ''natsipin'i Yaveh ireo Egyptiana"
Ny fisehon'ny hoe "Israely" tsirairay dia manondro ny vahoakan'i Israely. DH: "vahoakan'i Israely" na "ireo Israelita"
Eto ny teny hoe "tanana'' dia manondro hery. DH: "tamin'ny herin'ireo Egyptiana"
"amin'ny tany manaraka ny sisin-dranomasina"
1 Dia nihira izao hira izao ho an'i Yaveh i Mosesy sy ny vahoakan'Israely. Nihira izy ireo hoe: "Hihira ho an'i Yaveh aho, fa efa nandresy tamim-boninahitra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina izany dia natsipiny tao anaty ranomasina. 2 Yaveh no tanjako sy hirako, ary efa nanjary famonjena ahy Izy. Izany no Andriamanitro, ary hidera Azy aho, Andriamanitr'ireo razako, ary hanandratra Azy aho. 3 Yaveh dia mpiady; Yaveh no anarany. 4 Nanipy ny kalesin'i Farao sy ny tafika tao anaty ranomasina Izy. Ireo manam-boninahitra voafidin'i Farao dia nilentika tao anatin'ny Ranomasina Mena. 5 Ny lalina nanarona azy ireo; dia nilentika tany amin'ny lalina tahaka ny vato izy ireo. 6 Ny tananao ankavanana, ry Yaveh, dia manam-boninahitra amin'ny hery; ny tananao ankavanana, ry Yaveh, dia nanorotoro ny fahavalo. 7 Tamin'ny voninahitra lehibe no nanjeranao ireo izay nitsangana hanohitra Anao. Nalefanao ny fahatezeranao; nandevona azy ireo tahaka ny mololo izany. 8 Tamin'ny fofonain'ny vavoronao no nampiangona ireo rano; ireo rano mikoriana nijoro mahitsy toy ny antontan-javatra; ny rano lalina dia nivaingana tany amin'ny fanambanin'ny ranomasina. 9 Hoy ny fahavalo: 'Hanenjika aho, hisambotra aho, hizara izay babo aho; ny faniriako dia ho tanteraka amin'izy ireo; hamoaka ny sabatro aho; hamotika azy ireo ny tanako.' 10 Nitsoka tamin'ny rivotrao ianao, ka nandrakotra azy ireo ny ranomasina; nilentika tahaka ny firaka anatin'ny rano mahery izy ireo. 11 Iza no tahaka Anao, ry Yaveh, eo amin'ireo andriamanitra? Iza no tahaka Anao, manam-boninahitra amin'ny fahamasinana, omem-boninahitra amin'ny dera, manao fahagagana? 12 Naninjitra ny tananao ankavanana Ianao, dia nitelina azy ireo ny tany. 13 Tao amin'ny fanekenao tsy mivadika no nitarihinao ny vahoaka izay navotanao. Tamin'ny tanjakao no nitarihinao azy ireo tany amin'ny toerana masina izay nitoeranao. 14 Handre ireo vahoaka, ary hangovitra izy ireo; hisambotra ireo mponin'i Filistia ny horohoro. 15 Dia hatahotra ireo lehiben'i Edoma; ireo miaramilan'i Moaba dia hihozongozona; ny mponin'i Kanana rehetra dia ho ketraka. 16 Ny horohoro sy ny tahotra dia hianjera amin'izy ireo. Noho ny herin'ny sandrinao, dia ho hanjary hijanona tahaka ny vato mandra-pandalon'ny vahoakanao izy ireo, ry Yaveh— mandra-pandalon'ireo vahoaka navotanao. 17 Hitondra azy ireo ary hametraka azy ireo eny an-tendrombohitry ny lovanao Ianao, ilay toerana, ry Yaveh, izay efa nataonao hitoerana, ny fitoerana masina, ry Tomponay, izay efa namboarin'ny tananao. 18 Hanjaka mandrakizay doria Yaveh." 19 Fa ireo soavalin'i Farao dia nandeha niaraka tamin'ireo kalesiny sy ireo mpitaingin-tsoavaliny tany anaty ranomasina. Namerina ny ranon'ny ranomasina tamin'izy ireo i Yaveh. Nefa ireo Israelita nandeha tamin'ny tany maina teo anelanelan'ny ranomasina. 20 Miriama ilay mpaminany vavy, anabavin'i Arona, naka ampongatapaka, ary ireo vehivavy rehetra nivoaka niaraka tamin'ny ampongatapaka, nandihy nanaraka azy. 21 Nihira tamin'izy ireo Miriama hoe: "Mihirà ho an'i Yaveh, fa nandresy am-boninahitra Izy. Ny soavaly sy ny mpitaingina izany dia natsipiny tao anaty ranomasina." 22 Dia nitarika ny Israely nanomboka teo amin'ny ranomasina Mena i Mosesy. Nivoaka avy tao amin'ny efitr'i Sora izy ireo. Nandeha hateloana tany an'efitra ary tsy nahita rano izy ireo. 23 Dia tonga tany Mara izy ireo, nefa tsy afaka nisotro ny rano tao satria nangidy izany. Dia nantsoin'izy ireo hoe Mara izany toerana izany. 24 dia nitaraina tamin'i Mosesy ireo vahoaka ary niteny hoe: "Inona no azonay sotroina?" 25 Niantso mafy an'i Yaveh i Mosesy, ary nampiseho azy hazo iray i Yaveh. Nanipy izany tao anatin'ny rano Mosesy, ka lasa azo sotroina ny rano. Teo no nanomezan'i Yaveh lalàna hentitra azy ireo, ary teo no nitsapany azy ireo. 26 Hoy Izy: "Raha mihaino tsara ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, ary manao izay marina eo imasony, ary raha manongilan-tsofina amin'ireo didiny ka mankatoa ireo lalàny rehetra ianareo— dia tsy misy ataoko aminareo ireo aretina izay nataoko tamin'ireo Egyptiana, fa Izaho no Yaveh izay manasitrana anareo." 27 Ary ireo vahoaka tonga tany Elima, izay nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazon-drofia fitopolo. Nitoby tany teo akaikin'ny rano izy ireo.
Io dia hira momba ireo zava-nitranga tao amin'ny 14:26.
Mosesy nihira momba an'Andriamanitra nahatonga ny ranomasina hanarona sy hanafotra ny soavaly sy ny mpitaingina izany tahaka ny hoe natsipin'Andriamanitra tao anaty ranomasina izy ireo. DH: "nanao ny ranomasina hanarona ny soavaly sy ny mpitaingina Izy" na "nanao ny soavaly sy ny mpitaingina hilentika tao an-dranomasina Izy"
Io dia manondro ny soavaly Egyptiana rehetra na maro sy ireo mpitaingina izay nandroaka ireo Israelita. DH: "ireo soavaly sy ireo mpitaingina"
Izany dia olona izay mipetraka eo amin'ny soavaly na mandeha ao amin'ny kalesy izay tarihin'ny soavaly.
Ireo mety ho dikany dia 1) "Yaveh no Ilay izay manome hery ho Ahy" na 2) "Yaveh dia ilay mahery izay miaro ahy."
Antsoin'i Mosesy hoe hirany i Yaveh satria Yaveh no Iray izay hirainy. DH: "ary Ilay izay hiraiko"
Antsoin'i Mosesy hoe famonjena azy Andriamanitra satria namonjy azy Andriamanitra. DH: "efa namonjy ahy Izy" na "Izy no Ilay izay manavotra Ahy"
Antsoin'i Mosesy hoe mpiady Andriamanitra satria niady mafy tamin'ireo Egyptiana ka nandresy. DH: "Yaveh dia tahaka ny mpiady"
Mihira momba an'Andriamanitra izay nahatonga ny ranomasina hanarona ny kalesin'i Farao sy tafika rehefa nanipy azy ireo tao an-dranomasina. DH: "nataony nanarona ny kalesin'i Farao sy ny tafika" na "nalentiny tao an-dranomasina ny mpitaingina ny kalesin'i Farao sy ny tafika"
Tahaka ny vato tsy mitsingevana fa milentika any amin'ny farany ambanin'ny ranomasina, nilentika tany amin'ny farany ambanin'ny ranomasina ny miaramila fahavalo. DH: "nidina tany an-dranomasina lalina tahaka ny vato milentika any amin'ny farany ambanin'ny ranomasina izy ireo"
Resahin'i Mosesy toy ny hoe manana tanana Andriamanitra. Ny tanana havanana dia manondro ny herin'Andriamanitra na ireo zavatra nataon'Andriamanitra tamin-kery. DH: "Ry Yaveh, be voninahitra ny herinao" na "Ry Yaveh, izay ataonao dia be voninahitra amin-kery"
Resahin'i Mosesy toy ny hoe manana tanana Andriamanitra. DH: "Ry Yaveh, nanorotoro ny fahavalo ny herinao" na "Ry Yaveh, tamin'ny herinao no nanorotoronao ny fahavalo"
Resahin'i Mosesy toy ny hoe malemy ary afaka torotoroina tahaka ny fitaratra na tefy tanimanga ny fahavalo. DH: "namotika tanteraka ny fahavalo"
Ny fanoherana an'Andriamanitra dia resahana toy ny hoe mitsangana hanohitra an'Andriamanitra. DH: "ireo izay mikomy Aminao" na "ireo fahavalonao"
Resahin'i Mosesy toy ny hoe mpanompo izay nirahina mba hanao zavatra ny fahatezeran'Andriamanitra. DH: "Nasehonao ny fahatezeranao" na ''Niasa araka ny fahatezeranao Ianao"
Resahin'i Mosesy toy ny hoe afo izay mandoro zavatra tanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra. Potika tanteraka tahaka ny mololo anaty afo ireo fahavalo. DH: "namotika ireo fahavalonao tahaka ny afo izay mandoro mololo tanteraka izany"
Resahin'i Mosesy toy ny hoe misy orona Andriamanitra, ary resahiny toy ny hoe mitsoka rivotra amin'ny orona Andriamanitra. DH: "Notsofinao ny ranomasina ary" (UDB).
DH: "Hameno ny faniriako aminareo Aho" na "Halaiko amin'izy ireo ny tiako rehetra"
Ny fahavalo dia miresaka ny famotehana ireo Israelita amin'ny herin'ny tanany toy ny tanan'izy ireo izay hamotika azy ireo izany. DH: "Hamotika azy ireo amin'ny tanako Aho"
Resahan'i Mosesy toy ny hoe mitsoka rivotra amin'ny orony na vavany ny fitsohan'Andriamanitra rivotra. DH: "Nefa nataonao nitsoka ny rivotra"
Ny firaka dia vy mavesatra izay nampiasaina mba handetehana zavatra ao an-dranomasina. Ny teny hoe "firaka" eto dia nampiasaina mba hanehoana ny hafainganan'ny fahapotehan'ireo fahavalo. DH: "nilentika faingana tahaka ny firaka amin'ny rano manonja"
Nampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba haneho ny haben'Andriamanitra. DH: "O ry Yaveh, tsy misy olona tahaka Anao amin'ireo Andriamanitra!" na "Yaveh, tsy misy andriamanitra tahaka Anao!"
Nampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba haneho ny haben'Andriamanitra. DH: Tsy misy tahaka Anao. Tsy misy malaza amin'ny fahamasinana tahaka Anao, tsy misy omena voninahitra amin'ny dera tahaka Anao, ary tsy misy manao fahagagana tahaka Anao!"
Ny andianteny hoe "tanana ankavanana'' dia manondro ny fahefana maherin'Andriamanitra. DH: "tamin'ny fahefanao mahery"
I Mosesy dia miresaka momba an'Andriamanitra izay nampisy zavatra hitranga toy ny hoe naninjitra ny tanany Andriamanitra. DH: "Tamin'ny fahefanao mahery no nampitranganao izany"
Noharin'i Mosesy toy ny olona tahaka ny hoe mitelina na mihinana amin'ny vavany ny tany. DH: "nitelina azy ireo ny tany"
Izany dia midika hoe mihozongozona satria matahotra ianao.
Resahin'i Mosesy toy ny olona izay afaka mihazona amin-kery olona sy mampitahotra azy ireo fatratra ny horohoro. DH: "hatahotra ireo mponin'i Filistia"
Resahin'i Mosesy toy ny hoe ketraka ny olona lasa malemy noho ny tahotr'izy ireo. DH: "halemy noho ny tahotra" na "hatahotra sy ho reraka"
Manohy mihira momba ny fomba hianjeran'ny olona sy ireo firenena hafa rehefa mahita ny Andriamanitry ny vahoaka i Mosesy.
Ireo teny roa ireo dia midika fa hilatsaka amin'izy ireo ny tahotra. DH: "Ho tonga aminareo ny tahotra"
Ny tahotra dia horohoro be na fitaintainana momba ny zavatra izay hitranga na mety hitranga.
Ny sandrin'Andriamanitra dia manondro ny haben'ny heriny. DH: "Noho ny haben'ny herinao"
Iroe mety ho heviny dia 1) "Hangina tahaka ny vato izy ireo" na 2) "Tsy hihetsika toy ny vato izy ireo"
Izay hitondran'Andriamanitra azy ireo dia afaka ambara mazava. Satria tsy mbola vonona i Mosesy tany Kanana, dia hampiasa ny hoe "maka" noho ny hoe "mitondra" ireo fiteny sasany. DH: "Haka ny vahoakanao ho any Kanana ianao"
Resahin'i Mosesy toy ny hoe hazo izay nambolen'Andriamanitra ny nanomezan'Andriamanitra ny olony ny tany izay hitoeran'izy ireo. DH: "nametraka azy ireo teo an-tendrombohitra" na "namela azy ireo hitoetra eo an-tendrombohitra"
Io dia manondro ny Tendrombohitr'i Ziona ao an-tany Kanana.
Ny fampanantenan'Andriamanitra hanome ny tendrombohitra ho an'ny olony mandrakizay dia resahin'i Mosesy toy ny hoe omeny ho azy ireo ho lova izany. DH: "izay nomenao azy ireo ho lova"
Ny andian-teny hoe "ny tananao" dia manondro ny herin'Andriamanitra. DH: "izay namboarinao tamin'ny herinao"
Miriama dia anabavin'i Mosesy sy Arona zokiny indrindra
Izany dia zava-maneno tahaka ny amponga kely izay misy sombim-by kely manodidina ny sisiny izay mamoaka feo rehefa ahetsika.
"nandresy am-boninahitra ireo fahavalony"
Nihira i Miriama momba an'Andriamanitra ny nanaronany ny ranomasina sy nandentehany ny soavaly ary ny mpitaingina tahaka ny hoe nandetika azy ireo tao an-dranomasina Andriamanitra. DH: "Nalentiny tao an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina"
Ny teny hoe "Israely" dia manondro ny vahoakan'i Israely. DH: "Nitarika ny vahoaka Israelita i Mosesy"
Tsy fantatsika ny tena misy ireo toerana ireo.
"dia tsy faly ary niteny an'i Mosesy" na "niteny am-pahatezerana tamin'i Mosesy"
Miresaka momba ny feony Yaveh. DH: "feoko"
Ny andianteny hoe "eo imasony" eto dia manondro izay eritreretin'Andriamanitra na notapahiny. DH: "ataovy izay heverin'i Yaveh ho marina"
Resahin'Andriamanitra toy ny hoe asiana aretina amin'izy ireo ny nanaovan'Andriamanitra azy ireo harary. DH: "Tsy hahatonga ny iray aminareo ho voan'ireo aretina ireo aho"
Izany dia lonaka any an'efitra, toerana misy rano sy hazo manalokaloka
"12"
"70"
1 Nanohy ny dian'izy ireo avy tany Elima ny vahoaka, ary ny fivondronan'ny Israelita dia tonga tany amin'ny tany efitr'i Sina, izay manelanelana an'i Elima sy Sinay, tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana faharoa taorian'ny fialan'izy ireo avy tao amin'ny tany Egypta. 2 Nitaraina noho i Mosesy sy Aarona ny fivondronan'ny Israelita rehetra tany an'efitra. 3 Ary hoy ny Israelita tamin'izy ireo hoe: "Raha mba matin'ny tanan'i Yaveh tany amin'ny tany Egypta mantsy isika tamin'ny nipetrahantsika teo akaikin'ireo vilanin-kena ka nihinana mofo dia voky. Fa nentinao nivoaka ho aty amin'ity tany efitra ity izahay mba hahafaty noana ny fivondronanay manontolo." 4 Avy eo i Yaveh niteny tamin'ny Mosesy hoe: "Handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo Aho. Hivoaka ireo olona ary hanangona ny sahaza hohaniny isan'andro mba hahafahako mitsapa azy ireo, hahitàko raha handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia. 5 Ary amin'ny andro fahenina, izy ireo dia hanangona indroa mihoatra amin'izay efa nangonin'izy ireo isan'andro teo aloha, ka hahandro izay ho entin'izy ireo." 6 Avy eo dia niteny tamin'ireo vahoakan'Israely i Mosesy sy Arona hoe: "Anio hariva dia ho fantatrareo fa Yaveh no namoaka anareo avy any amin'ny tany Egypta. 7 Ny maraina dia hahita ny voninahitr'i Yaveh ianareo, fa Izy mandre ny fitarainanareo nohon'ny Aminy. Iza moa izahay no dia mampitaraina anareo?" 8 Hoy koa Mosesy hoe: "Ho fantatrareo izany rehefa homen'i Yaveh hena ianareo ny hariva ary sakafo ny maraina mba ho voky— satria reny ny taraina izay ambaranareo nohon'ny Aminy. Mba iza moa izaho sy Aarona? Tsy manohitra anay ny fitarainanareo; fa manohitra an'i Yaveh." 9 Mosesy niteny an'i Arona hoe: "Ambarao amin'ny ny fivondronan'ny vahoakan'Isarely rehetra hoe: 'Manatòna eo anatrehan'i Yaveh, fa efa reny ny fitarainanareo.'" 10 Ary raha niresaka tamin'ny fivondronan'ny vahoakan'Israely rehetra i Arona, dia nijery nanatrika ny tany an'efitra izy ireo, ary indro, niseho tamin'izy ireo teny amin'ny rahona ny voninahitr'i Yaveh. 11 Dia niresaka tamin'i Mosesy Yaveh ary nanao hoe: 12 "Efa reko ny fitarainan'ireo vahoakan'Israely. Ary miresaha amin'izy ireo ka lazao hoe: 'Hihinan-kena ianareo ny hariva, ary ho vokisana mofo ianareo ny maraina. Dia ho fantatrareo fa izaho ilay Yaveh Andriamanitrareo."' 13 Ary nony hariva dia nisy papelika niakatra sy nandrakotra ny toby. Ny maraina dia nandry manodidina ny toby ny ando. 14 Rehefa lasa ny ando, dia nisy vaingambaingan-javatra manify toa fanala teo amin'ny tany tamin'ny faritry ny efitra. 15 Ary rehefa nahita izany ny vahoakan'Israely, dia nifanontany izy ireo hoe: 'Inona io?" Tsy fantatr'izy ireo hoe inona ilay izy. Dia hoy Mosesy tamin'izy ireo: "Io no mofo izay nomen'i Yaveh hohanina. 16 Izao no didy izay nomen'i Yaveh: "Aoka ny tsirairay aminareo hanangona izay sahaza hohaninareo, dia ny fatran'ny gomara iray isan'ny vahoakanao. Toy izao no hanangonanao izany: Manangona izay ampy hohanin'ny olona tsiriaray izay mitoetra ao anaty lainao.'" 17 Ary nataon'ireo vahoakan'Israely izany. Ny sasany nanangona maro, ary ny sasany nanangona vitsy. 18 Raha nafatran'izy ireo tamin'ny gomara famarana izany, ireo izay nanangona betsaka dia tsy nisy ambiny, ary izay nanangona kely dia nanana ny ampy. Ny olona tsirairay dia nanangona izay ampy ho an'ny filany. 19 Dia hoy Mosesy tamin'izy ireo: "Aoka tsy hisy hamela sisa amin'izany mandra-pahatonga ny maraina." 20 Na izany aza, dia tsy nihaino an'i Mosesy izy ireo. Nisy sasany tamin'izy ireo no namela sisa tamin'izany mandra-maraina, fa nivoaka olitra sy lasa maimbo izany. 21 Dia nanjary tezitra tamin'izy ireo Mosesy. Dia nangonin'izy ireo isa-maraina izany. Samy nanangona ny sahaza azy ny olona tsirairay mba hohanina tamin'io andro io. Rehefa nahamay ny masoandro, dia levona izany. 22 Ary tamin'ny andro fahenina dia nanangona mofo indroa mihoatra isan'olona izy ireo, gomara roa isan'olona. Ny lehiben'ny fivondronana rehetra dia nanatona ary nilaza izany tamin'i Mosesy. 23 Ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Izao no voalzan'i Yaveh: 'Fitsaharana masina rahampitso, Sabata masina ho fanajana an'i Yaveh. Hendaso izay tianareo hendasina, ary andrahoy izay tianareo handrahoina. Ary tehirizo ho anareo, hatramin'ny maraina ny ambiny rehetra amin'izany."' 24 Dia nampirimin'izy ireo mandra-maraina izany, araka izay nandidian'i Mosesy. Ary tsy maimbo izany, na nahitana olitra taminy. 25 Hoy Mosesy: "Hano anio ireto sakafo ireto, fa anio dia andro voatokana ho Sabata mba hanajana an'i Yaveh. Ary anio dia tsy hahita izany any an-tsaha ianareo. 26 Ary hanangona izany mandritra ny enina andro ianareo, fa ny andro fahafito dia andro Sabata. Ny andro Sabata dia tsy hisy mana. 27 Ary tamin'ny andro faha fito dia maro ireo olona no nandeha nivoaka nanangona mana, fa tsy nahita na inona na inona izy ireo. 28 Ary hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Mandra-pahovina no handavanareo hitandrina ireo didiko sy ireo lalàko? 29 Indro, nomen'i Yaveh anareo ny andro Sabata. Ary amin'ny andro fahenina dia hanome anareo ireo mofo mandritra ny roa andro Izy. Aoka hijanona eo amin'ny toerana misy azy avy ianareo; tsy misy mahazo mivoaka eo amin'ny toerana misy azy amin'ny andro fahafito." 30 Noho izany dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito ny vahoaka. 31 "Mana" no niantsoan'ireo vahoakan'Israely izany sakafo izany. Fotsy toy ny voan-drafy ireo, ary manana tsiro toy ny koriandra manify misy tantely. 32 Hoy Mosesy: "Izao no didin'i Yaveh: 'Aoka hisy mana iray gomara ho voatahiry mandritra ny taranaky ny vahoakanao, mba hahita ireo mofo namahanako anareo tany an'efitra ny taranakareo, taorian'ny nitondrako anareo nivoaka avy tany Egypta."' 33 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: "Mangalà vilany ary asio mana iray gomara ao. Ataovy eo alohan'Yaveh izany mba ho voatahiry mandritra ny taranaky ny vahoaka." 34 Araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy, dia notehirizin'i Arona tamin'ny lalàn'ny fanekena tao anaty fiara izany. 35 Nihinana mana nandritra ny efapolo taona ny vahoakan'Israely mandra-pahatonga azy ireo tany amin'ny tany misy mponina. Nihinana izany izy ireo mandra-pahatonga azy ireo teo amin'ny sisin-tanin'ny tany Kanana. 36 Ary ny gomara iray dia mira ampahafolon'ny efaha iray.
Ny teny hoe "Sina" eto dia anarana efitra Hebreo. Tsy teny anglisy hoe "fahotana" izany.
Io fotoana io dia mifanindry amin'ny faran'ny Aprily sy ny voalohan'ny May amin'ny tetiandro Tandrefana. DH: "amin'ny andro faha-15 amin'ny volana faharoa"
"ireo Israelita rehetra". Io dia amin'ny ankapobeny. Tsy nitaraina i Mosesy sy i Arona. DH: ''ireo Israelita"
"tezitra ary niteny"
Io dia fomba fiteny entina hilazana fa naniry ny ho faty izy ireo. DH: "Aleonao maty"
Ny andianteny hoe "tanan'i Yaveh" dia manondro ny asan'Andriamanitra. DH: "tamin'ny asan'Andriamanitra"
Resahin'Andriamanitra toy ny hoe nanorana ny fidinan'ny sakafo avy any an-danitra. DH: ''Hampidina mofo avy any an-danitra tahaka ny orana Aho" na "Handatsaka mofo avy any an-danitra Aho"
Resahin'Andriamanitra toy ny hoe mofo ny sakafo izay halefany. Hihinana izany sakafo izany isan'andro ireo Israelita, tahaka ny nihinanan'izy ireo mofo isan'andro talohan'izany. DH: "sakafo" na "sakafo tahaka ny mofo"
Resahin'Andriamanitra toy ny hoe mandeha amin'izany ny fankatoavana ny lalàny"
"didiko"
"Hitranga izany amin'ny andro fahaenina izay" na "amin'ny andro fahaenina izy ireo
"amin'ny andro faha-6"
"indroa mandeha"
Nampiasa io fanontaniana io i Mosesy sy i Arona mba hanehoana fa ny vahoaka izay adala no mitaraina manohitra azy ireo. DH: "Tsy dia matanjaka loatra aminao izahay no dia hitaraina hanohitra anao". na "Adalana ny mitaraina manohitra anay, satria tsy afaka manao izay tianao izahay."
Resahin'i Mosesy toy ny hoe mofo ny sakafo izay halefan'Andriamanitra. Hihinana izany tahaka ny sakafon'izy ireo isan'andro ireo Israelita, tahaka ny nihinanan'izy ireo mofo isan'andro talohan'izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 16:4. DH: "sakafo" na "sakafo tahaka ny mofo"
Nampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hanehoana amin'ny vahoaka fa tsy manana fahefana hanomezana azy ireo izay tiany izy sy Arona. DH: "Tsy afaka hanome anareo izay tianareo i Arona sy izaho."
Nitaraina nanohitra an'i Mosesy sy Arona ny vahoaka, izay mpanompon'i Yaveh. Mba amin'ny alalan'ny fitarainany nanohitra azy ireo, no nitarainan'izy ireo nanohitra an'i Yaveh marina tokoa. DH: Ny fitarainanareo dia tsy manohitra anay tokoa; manohitra an'i Yaveh, satria mpanompony izahay"
Io andianteny io eto dia nampiasaina mba hanamarika tranga lehibe ao amin'ny tantara. Ny tranga lehibe eto dia ny vahoaka mahita ny voninahitr'i Yaveh. Raha tsy misy fomba hilazana izany amin'ny fiteninao, dia afaka mampiasa izany ianao eto.
Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa nahita zavatra mahaliana ny vahoaka.
Resahin'i Mosesy toy ny hoe mofo ny sakafo izay halefan'Andriamanitra. Hihinana izany tahaka ny sakafon'izy ireo isan'andro ireo Israelita, tahaka ny nihinanan'izy ireo mofo isan'andro talohan'izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 16:4. DH: "sakafo" na "sakafo tahaka ny mofo"
Io andianteny io eto dia nampiasaina mba hanamarika fizarana lehibe amin'ny tranga. Raha tsy misy fomba hilazana izany ny fiteninao, dia afaka mampiasa izany ianao.
Ireo dia vorona kely, mitsambikina.
Ny mpamaky voalohany dia nahalala hoe ohatry ny ahoana ny fanala, ka io andianteny io dia manampy azy ireo hahazo hoe ohatry ny ahoana ny hateviny. Ny fanala dia ando mangatsiaka izay miforona eo amin'ny tany. Tena tsara izany. DH: "izay ohatran'ny fanala" na "izay tsara tahaka fanala"
Resahin'i Mosesy toy ny hoe mofo ny sakafo izay nalefan'Andriamanitra. Hihinana izany isan'andro ireo Israelita, tahaka ny nihinanan'izy ireo mofo isan'andro talohan'io. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 16:4. DH: "sakafo" na "sakafo tahaka ny mofo"
Manohy miteny ny vahoaka momba ny sakafo izay novatsian'Andriamanitra azy ireo i Mosesy.
"roa litatra"
"tsy nisy tsy ampy" na "tena ampy"
Io andianteny io eto dia nampiasaina mba hanamarika ny fiandohan'ny fizarana vaovao amin'ny tantara. Andininy faha 16:22-30 dia milaza momba izay nataon'ny vahoaka mahakasika ny mana amin'ny andro fahaenina sy fahafito amin'ny herinandro. Raha misy fomba hanamarihany izany fizarana vaovao amin'ny tantara izany ny fiteninao, dia afaka mampiasa izany eto.
"amin'ny andro faha-6"
"indroa mandeha"
Io dia manondro ny mofo izay manify tahaka ny ando eny amin'ny tany isa-maraina.
"matotra" na ''mangina na voahevitra"
"tsy lo"
"androany dia Sabata ary ampiasaina hanomezana voninahitra an'Andriamanitra irery ihany"
"fa amin'ny andro fahafito"
Io dia anarana nomen'ireo Israelita ny mofo izay nasehon'i Yaveh tamin'izy ireo isa-maraina.
"tsy nahita mana izy ireo''
Miresaka amin'i Mosesy i Yaveh, nefa ny teny hoe "ianareo" dia manondro ny vahoaka amin'ny ankapobeny.
Nampiasa io fanontaniana io Andriamanitra mba hibedesana ny vahoaka satria tsy nankato ireo lalàny izy ireo. DH: "Ianareo vahoaka dia tsy mbola mitandrina ireo didiko sy ireo lalàko!"
''mba hankato ireo didiko sy ireo lalàko"
Resahin'i Yaveh toy ny fanomezana ny Sabata ny fampianarana ny vahoaka hitsahatra amin'ny Sabata. DH: "Izaho, Yaveh, dia efa nampianatra anareo hitsahatra amin'ny Sabata"
"andro faha-6...2 andro...andro faha-7"
Io dia manondro ny mofo izay nanify tahaka ny ando niseho teny amin'ny tany isa-maraina.
Io dia anarana nomen'ireo Israelita ny mofo izay nasehon'i Yaveh tamin'izy ireo isa-maraina. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 16:26.
Ny koriandra ihany koa dia fantatra hoe ravina koriandra. Manamaina ireo voa sy mitoto izany ho vovoka ary atao amin'ny sakafo mba hanome tsiro izany ny vahoaka.
mofo na mofokely tena manify
"2 litatra"
Io dia manondro ny mofo izay nanify tahaka ny ando niseho teny amin'ny tany isa-maraina.
Ny omera na ny efaha dia samy fitoerana handrefesana fatra. Ny mpamaky voalohany dia mety fantatra hoe ohatry ny ahoana ny habetsaky ny efaha. Io fehezanteny io dia mety hanampy azy ireo hahafantatra hoe ahoana ny habetsaky ny omera. Ho an'ireo fiteny izay tsy mampiasa ampahany, dia afaka atao teny izany. DH: "Ary ny omera iray dia mira efaha iray"
"roa litatra"
1 Ireo fiarahamonin'Israely manontolo dia nandeha avy any amin'ny efitr'i Sina, nanaraka ireo torolalan'Andriamanitra. Nitoby tao Refidima izy ireo, nefa tsy nisy rano ho sotroin'ny vahoaka tao. 2 Dia nanome tsiny an'i Mosesy noho izany zava-nisy tamin'izy ireo izany ny vahoaka ary nanao hoe: "Omeo rano hosotroina izahay." Hoy Mosesy hoe: "Nahoana no mifanditra amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an'i Yaveh ianareo?" 3 Nangetaheta mafy ireo vahoaka, ka nitaraina tamin'i Mosesy izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Nahoana no nitondra anay niakatra avy tao Egypta ianao? Mba hamono anay sy ireo zanakay ary ireo biby fiompinay amin'ny hetaheta?" 4 Dia niantso mafy an'i Yaveh i Mosesy hoe: "Inona no tokony ataoko amin'ity vahoaka ity? Efa saika vonona hitora-bato ahy izy ireo." 5 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Mandehana eo alohan'ireo vahoaka, ary ento miaraka aminao ireo loholon'i Israely sasany. Ento miaraka aminao ny tehina izay nikapohanao ny renirano, ary mandehana. 6 Hijoro eo alohanao any eo amin'ny vatolampy ao Horeba Aho, ary hikapoka ny vatolampy ianao. Hisy rano hivoaka amin'izany mba hosotroin'ny vahoaka." Dia nanao izany teo imason'ireo loholon'Israely i Mosesy. 7 Niantso izany toerana izany hoe Masa sy Meriba noho ny fitarainan'ireo Israelita izy, ary satria efa naka fanahy ny Tompo izy ireo tamin'ny nitenenany hoe: "Eto aminay ve Yaveh sa tsia?" 8 Dia tonga ary nanafika an'Israely tao Refidima ny tafiky ny vahoaka Amalekita. 9 Dia hoy Mosesy tamin'i Josoa: "Mifidiana lehilahy maromaro ary mivoaha. Miadia amin'ny Amalekita. Rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana miaraka amin'ny tehin'Andriamanitra eo an-tanako aho." 10 Dia niady tamin'ny Amalekita araka ny nandidian'i Mosesy azy Josoa, raha niakatra tao an-tampon'ny havoana kosa Mosesy, Arona, ary Hora. 11 Rehefa nanangana ny tanany ho ambony Mosesy, dia nandresy Israely; rehefa namela ny tanany haka aina izy, dia nanomboka nandresy ny Amalekita. 12 Rehefa nihanavesatra ny tanan'i Mosesy, dia naka vato i Arona sy Hora ary nametraka izany tao ambaniny mba hipetrahany. Tamin'io fotoana io ihany, dia nihazona ny tanany ho ambony i Arona sy Hora, ny olona iray teo andaniny, ary ny olona iray hafa teo amin'ny ankilany. Ary dia voatazona mafy ireo tanan'i Mosesy mandra-pilentiky ny masoandro. 13 Dia nandresy ny vahoakan'ny Amalekita tamin'ny sabatra i Josoa. 14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Soraty amin'ny boky izao ka vakio eo an-tsofin'i Josoa, satria hamono tanteraka ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eto ambany lanitra Aho." 15 Dia nanorina alitara i Mosesy ary niantso izany hoe: "Yaveh no fanevako." 16 Hoy izy: "Fa ny tanana dia nasandratra ambony ho amin'ny seza fiandrianan'i Yaveh—fa Yaveh hiady amin'ny Amalekita amin'ireo taranaka fara mandimby rehetra."
Ny teny hoe "Sina" eto dia anarana efitra Hebreo. Tsy teny Anglisy hoe "fahotana". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 16:1.
Io dia midika hoe "toerana fialan-tsasatra", toerana mba hialana sasatra amin'ny dia lavitra manerana ny efitra.
Mampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hibedesana ny vahoaka. DH: "Tsy tokony hiady amiko ianareo! Tsy tokony hitsapa an'i Yaveh ianareo!"
Mampiasa io fanontaniana io ny vahoaka mba hiampangana an'i Mosesy izay te hamono azy ireo. DH: "Ianao ihany no nitondra anay ety mba hamono anay sy ireo zanakay sy ny biby fiompy tamin'ny namelana anay tsy hisy rano hosotroina!"
toerana any amin'ny efitra izay ny anarany dia midika hoe "mitsapa"
toerana any amin'ny efitra izay anarany dia midika hoe "mitaraina"
Io dia anarana toerana any an'efitra.
Manondro ireo Israelita izay notarihina tao amin'ny ady i Josoa. DH: "Koa i Josoa sy ireo lehilahy nofidiany hiady hanohitra ireo Amalekita"
Hora dia naman'i Mosesy sy i Arona.
Ireo teny hoe "Israely" sy "Amalekita" dia manondro ireo mpiady avy amin'ireo vondrona ireo. DH: "ireo mpiady Israelita dia nandresy...ireo mpiady Amalekita dia nanomboka nandresy"
Soratan'ny mpanoratra toy ny hoe lasa navesatra ny tanany ny sandrin'i Mosesy reraka. DH: "sandry reraka"
Ny sabatra dia manondro ady. DH: "ao amin'ny ady"
Resahin'Andriamanitra toy ny hoe nanala ny fahatsiarovan'ny olona ny Amalekita ny faharavan'ny Amalekita. Rehefa rava tanteraka ny vondron'olona, dia tsy misy na inona na inona hahatsiaro momba azy ireo. DH: "Hamotika tanteraka ny Amalekita Aho"
Hanandratra ny tanan'izy ireo ny vahoaka rehefa mampanantena na manao antoka, mba hananganana tanana hanondro ny fampanantenana" (UDB)
DH: "nanandratra ny tanany i Yaveh" na "nanao fampanantenana masina i Yaveh"
Io dia manondro ireo Amalekita. DH: Amalekita"
1 Nahare ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra tamin'i Mosesy sy ny Israely vahoakany i Jetro, mpisoron'ny Midiana, rafozan-dahin'i Mosesy. Reny fa Yaveh nitondra ny Israely nivoaka an'i Egypta. 2 Nalain'i Jetro, rafozan-dahin'i Mosesy i Zipora, vadin'i Mosesy, taorian'ny nampodiany azy, 3 ary ireo zanany roa lahy; ny anaran'ny iray dia Gersoma, satria hoy Mosesy hoe: "Efa vahiny tany amin'ny tanin'ny firenena hafa aho." 4 Eliezera kosa no anaran'ilay anankiray, satria hoy Mosesy hoe: "Ny Andriamanitry ny razako no namonjy ahy. Nanavotra ahy tamin'ny sabatr'i Farao Izy." 5 Tonga niaraka tamin'ny zanaka lahin'i Mosesy sy ny vadiny tany amin'i Mosesy tany an-efitra izay nitobiany teo an-tendrombohitr'Andriamanitra i Jetro, rafozan-dahiny. 6 Hoy izy tamin'i Mosesy hoe: "Izaho, Jetro rafozan-dahinao, dia tonga aty aminao miaraka amin'ny vadinao sy ny zanany roa lahy." 7 Nivoaka hitsena ny rafozan-dahiny Mosesy, niankohoka izy, ary nanoroka azy. Nifanontany fahasalamana izy ireo ary niditra tao an-day avy eo. 8 Notantarain'i Mosesy tamin'ny rafozan-dahiny ireo rehetra nataon'i Yaveh tamin'i Farao sy ny Egyptiana nohon'ny amin'ny Israely, ireo ady sarotra rehetra nanjo azy teny an-dalana, ary ny fomba nanavotan'i Yaveh azy ireo. 9 Dia faly Jetro nohon'ny soa rehetra izay nataon'Yaveh tamin'ny Israely, tamin'ny nanavotany azy ireo tamin'ny tanan'ny Egyptiana. 10 Hoy Jetro hoe: "Ho deraina anie Yaveh, satria Izy nanavotra anao teo an-tanan'ny Egyptiana sy teo an-tanan'i Farao, ary nanafaka ny olona teo am-pelatanan'ireo Egyptiana. 11 Fantatro ankehitriny fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra Yaveh, satria fony nitondra ny Israelita tamim-piavonavonana ny Egyptiana, dia navotan'Andriamanitra ny olony." 12 Nitondra fanatitra dorana ary sorona ho an'Andriamanitra i Jetro, rafozan-dahin'i Mosesy. Dia tonga nisakafo niaraka tamin'i Jetro, rafozan-dahin'i Mosesy, teo anatrehan'Andriamanitra i Arona sy ireo loholon'i Israely rehetra. 13 Ny ampitso dia nipetraka hitsara ny olona i Mosesy. Nitsangana nanodidina azy ny olona nanomboka ny maraina ka hatramin'ny hariva. 14 Rehefa nahita ireo rehetra nataon'i Mosesy tamin'ny vahoaka ny rafozan-dahiny, dia hoy izy hoe: "Fa inona izato ataonao miaraka amin'ny olona? Nahoana no ianao irery no mipetraka ary ny olon-drehetra mitsangana manodidina anao nanomboka maraina hatramin'ny hariva?" 15 Dia hoy Mosesy tamin'ny rafozan-dahiny hoe: "Manatona ahy ny olona mba hanontany ny tari-dalan'Andriamanitra. 16 Rehefa misy disadisa eo amin'izy ireo, dia izaho no hanatonany. Izaho no manapa-kevitra eo amin'ny roa tonta, ka mampianatra azy ireo ny didin'Andriamanitra sy ny lalàny." 17 Hoy ny rafozan-dahin'i Mosesy taminy hoe: "Tsy dia mety loatra ny zavatra ataonao. 18 Ho reraka tokoa ianareo, dia ianao sy ireo olona izay miaraka aminao. Mavesatra loatra ho anao izao zioga izao. Tsy vitanao irery io. 19 Henoy aho. Hanoro hevitra anao aho, ary Andriamanitra homba anao, satria ianao no solotenan'ny olona eo anatrehan'Andriamanitra, sy mitondra ny adin'izy ireo eo aminy. 20 Tsy maintsy hampianarinao azy ireo ny didiny sy lalàny. Tsy maintsy hasehonao azy ireo ny lalana tokony haleha sy ny asa tokony hatao. 21 Ary koa, tsy maintsy mifidy lehilahy mahay avy amin'ny olona rehetra ianao, dia lehilahy izay manome voninahitra an'Andriamanitra, lehilahin'ny fahamarinana izay tsy tia kolikoly. Tsy maintsy hapetraka ho mpanapaka ny olona izy ireo, mba ho mpifehy arivo, zato, dimampolo, ary folo. 22 Izy ireo no hitsara ny olona amin'ny raharaha mahazatra rehetra, fa ny tranga saro-bahana kosa hoentin'izy ireo any aminao. Ny amin'ireo tranga madinika, ny tenan'izy ireo ihany dia ho afaka hitsara izany. Amin'izay dia ho mora aminao kokoa, ary izy ireo hiara-hizaka izay mavesatra aminao. 23 Raha manao izany ianao, ary raha Andriamanitra no mibaiko anao hanao izany, dia hahavita hiaritra ianao, ary ny olon-drehetra afaka hody any an-trano amin'ny fahafaham-po." 24 Nohenoin'i Mosesy ny tenin-drafozany ary nataony avokoa izay rehetra nolazainy. 25 Dia nifidy lehilahy tsara laza avy amin'ireo Israely rehetra Mosesy ka nanao azy ireo ho mpitarika ny vahoaka, dia ho mpifehy arivo, zato, dimampolo, ary folo. 26 Nitsara ny olona tamin'ny tranga tsotra izy ireo. Ireo tranga saro-bahana no nentiny tany amin'i Mosesy, fa ny tenan'izy ireo ihany no nitsara ireo tranga madinika. 27 Koa namela ny rafozan-dahiny handeha Mosesy, ary Jetro nody tany amin'ny taniny.
Io dia manondro ny rain'ny vadin'i Mosesy.
Ireo mety ho heviny dia 1) naka an'i Zipora sy ireo zanany roalahy ho eo amin'i Mosesy i Jetro, 2) nandray an'i Zipora sy ireo zanany roalahy nialoha i Jetro.
Io dia zavatra nataon'i Mosesy aloha be. DH: "taorian'ny nandefasan'i Mosesy azy hody any amin'ny ray aman-dreniny"
Io dia zanak'i Mosesy sy Zipora lahy, izay ny anarany dia midika hoe "vahiny".
Io dia zanak'i Mosesy sy Zipora lahy, izay ny anarany dia midika hoe "Andriamanitra dia Ilay izay manampy ahy."
Io dia manondro fa hoe novonoin'i Farao na ny tafik'i Farao. DH: "novonoin'i Farao" na "novonoin'ny tafik'i Farao"
DH: "izay nitobiany niaraka tamin'ireo Israelita"
Ireo fihetsika famantarana ireo dia fomba mahazatra izay nanehoan'ny olona fanajana lehibe sy fanolora-tena ao amin'izany fomba fanao izany.
Ny teny hoe "Israely'' dia manondro ny vahoakan'i Israelita. DH: ''mba hanampiana ny vahoakan'ny Israelita"
Soratan'i Mosesy toy ny hoe tonga tamin'izy ireo ny ady sarotra nitranga tamin'izy ireo. DH: "ireo ady sarotra rehetra izay nitranga tamin'izy ireo" na "ireo ady sarotra rehetra izay niainan'izy ireo"
Ny tanana dia manondro ny fahefan'ny olona hanao zavatra. DH: "ny fahefan'ireo Egyptiana...fahefan'i Farao" na "izay nataon'ireo Egyptiana anareo...izay nataon'i Farao anareo"
Mampiasa io fanontaniana io i Jetro mba hanehoana an'i Mosesy fa izay nataony dia tsy tsara. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy tokony nanao izao rehetra izao amin'ireo vahoaka ireo ianao!"
Mampiasa io fanontaniana io i Jetro mba hanehoana an'i Mosesy fa efa nahavita be izy. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy tokony hipetraka irery ianao...manomboka ny maraina mandra-pahariva!"
Ny teny hoe "mipetraka" eto dia sarinteny amin'ny hoe "mitsara". Hipetraka ireo Mpitsara raha mbola mihaino ny tarainan'ny vahoaka izy ireo. DH: "mitsara irery ianao" na "ianao irery no olona hitsara ny vahoaka"
"hahatongas ny tenanareo ho reraka tokoa ianareo"
Resahin'i Jetro toy ny hoe entana ara-batana izay lanjain'i Mosesy ny asa mafy izay ataon'i Mosesy. DH: "Io asa io dia mafy loatra ho anareo"
"torolalana" na "fanoroana"
Resahin'i Jetro toy ny hoe fiarahana amin'i Mosesy Andriamanitra ny fanampian'Andriamanitra an'i Mosesy. DH: "hanampy anao Andriamanitra" na "hanome anao fahendrena Andriamanitra"
Resahin'i Jetro toy ny hoe fitondran'i Mosesy ny adin'izy ireo amin'Andriamanitra ny filazan'i Mosesy momba ny adin'izy ireo amin'Andriamanitra. DH: "lazaonareo amin'Andriamanitra ny momba ny adinareo" na "lazaonareo amin'Andriamanitra izay hiadian'izy ireo"
Resahin'i Jetro toy ny hoe mandeha ny fiainana sy ny fitondran-tena. DH: "Tsy maintsy haneho azy ireo ny fomba fiainany ianao" na "Tsy maintsy haneho azy ireo ny fomba hitondran-tena ianao"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Jetro.
"Fanampin'izany, dia tsy maintsy hifidy ianao" na ''Tsy maintsy hifidy ihany koa ianao"
Resahin'i Jetro toy ny hoe mametraka azy ireo hanapaka ny vahoaka ny fanomezana azy ireo fahefana amin'ny vahoaka. DH: Tsy maintsy hanome azy ireo fahefana hanapaka ny vahoaka ianao"
"vondrona 1.000, vondrona 100, vondrona 50, ary vondrona 10"
"raharaha tsotra"
Resahin'i Jetro toy ny hoe mitondra ny asa sarotra eo aminy ny fitenenana an'i Mosesy momba ny asa sarotra. DH: "ny asa sarotra izay ho tenenin'izy ireo" na "rehefa misy asa sarotra, dia hilaza aminao ny aminy izy ireo mba ahafahanao mitsara azy ireo"
Resahin'i Jetro toy ny hoe enta-mavesatra izay ho lanjain'izy ireony asa mafy izay ataon'izy ireo"
Izay hozakain'izy ireo dia afaka lazaina ambara mazava kokoa. DH: "mizaka ny tebiteby amin'ny asa"
Soratan'i Mosesy toy ny hoe loha amin'ny vatana ireo mpitarika ny vahoaka. DH: "ireo mpitarika ny vahoaka"
Izay afaka ataon'izy ireo dia azo ambara mazava. DH: ''lehilahy izay afaka mitarika" na "lehilahy izay afaka mitsara"
"zava-misy"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mitondra ireo tranga sarotra eo aminy ny fitenenana amin'i Mosesy momba ny tranga sarotra. DH: "ireo tranga sarotra lazain'izy ireo amin'i Mosesy" na "rehefa misy tranga sarotra, dia hiteny amin'i Mosesy momba ireo izy ireo mba hitsarana azy ireo"
"ireo tranga mora vahana"
1 Tamin'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny vahoakan'i Israely ny tany Egypta, tamin'io andro io ihany, no nahatongavan'izy ireo tao an'efitr'i Sinay. 2 Koa rehefa niala tao Refidima izy ireo ka nankany an'efritr'i Sinay, dia nitoby tao an'efitra teo anoloan'ny tendrombohitra. 3 Dia niakatra tao amin'Andriamanitra Mosesy. Dia niantso azy avy eo amin'ny tendrombohitra Yaveh ka nanao hoe: "Tsy maintsy hilazanao ny ankohonan'i Jakoba, dia ny vahoakan'i Israely hoe: 4 Efa hitanareo izay nataoko tamin'ny Egyptiana, ny fomba nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery sy ny nitaomako anareo ho eto amiko. 5 Koa ankehitriny àry, raha mihaino am-pankatoavana ny feoko ianareo ka mitandrina ny fanekeko, dia ho harena manokana ho Ahy ianareo mihoatra amin'ny olona rehetra, satria Ahy ny tany rehetra. 6 Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no tsy maintsy ho lazainao amin'ny vahoakan'Israely." 7 Dia tonga Mosesy ka niantso ireo loholon'ny vahoaka. Dia nalahany nanoloana azy ireo ny teny rehetra izay nandidian'i Yaveh azy. 8 Koa niara-namaly ireo vahoaka ka nanao hoe: "Hataonay izay rehetra nolazain'i Yaveh." Dia notanterin'i Mosesy tamin'i Yaveh ny tenin'ny olona. 9 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Ho tonga eo aminao anaty rahona matevina Aho mba hahafahan'ny vahoaka mandre anao raha miteny miaraka aminao Aho ary mba hahafahany hino anao mandrakariva koa." Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Yaveh ireo tenin'ny vahoaka. 10 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mandehana any amin'ny vahoaka. Anio sy rahampitso no tsy maintsy hanamasinanao ho Ahy azy ireo, ary ataovy diovin'izy ireo ny fitafiany. 11 Mivonona amin'ny andro fahatelo, fa amin'ny andro fahatelo dia hidina ho eo amin'ny tendrombohitr'i Sinay Yaveh. 12 Asio fefy ny manodidina ny tendrombohitra ho an'ny vahoaka. Lazao amin'izy ireo hoe: 'Tandremo mba tsy hiakaranareo ny tendrombohitra na hikasihanareo ny sisin'izany. Na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hovonoina ho faty tokoa izy.' 13 Tsy hisy tànana hikasika olona tahaka izany. Fa kosa, hotoraham-bato tokoa izy na hotifirina. Na olona izany na biby, dia tsy maintsy vonoina izy. Rehefa lavareny ny feon'ny trompetra, vao afaka mankeo ho eo am-pototry ny tedrombohitra izy ireo." 14 Dia nidina ny tendrombohitra Mosesy mba ho eo amin'ny vahoaka. Nohamasininy ho an'i Yaveh ny olona ary ireo kosa nanadio ny fitafiany. 15 Dia hoy izy tamin'ny vahoaka hoe: "Mivonona amin'ny andro fahatelo; koa aza manakaiky ny vadinareo." 16 Tamin'ny andro fahatelo, nony maraina, dia nisy kotrokorana sy tselatra ary rahona matevina teo an-tendrombohitra, ary feon-trompetra mafy faneno. Toran-kovitra ny olona rehetra teo amin'ny toby. 17 Dia nentin'i Mosesy nivoaka ny toby ny olona mba hihaona amin'Andriamanitra, ary nitsangana teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo. 18 Rakotra setroka tanteraka ny tendrombohitra Sinay satria nidina teo aminy tamin'ny afo sy ny setroka Yaveh. Dia niakatra toy ny setroky ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihonzongozona mafy ny tendrombohitra iray manontolo. 19 Rehefa nihamafy dia mafy ny feon'ny trompetra, dia niteny Mosesy, ary namaly feo azy Andriamanitra. 20 Dia nidina teo an-tendrombohitra Sinay Yaveh, teo an-tampon-tendrombohitra, ary niantso an'i Mosesy ho ao an-tampony Izy. Dia niakatra Mosesy noho izany. 21 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Midina ka hampitandremo ny olona tsy hisisika ho aty amiko mba hizaha, raha tsy izany dia ho maro amin'izy ireo no ho faty. 22 Aoka ihany koa ireo mpisorona izay manakaiky Ahy mba hanokana ny tenany—hampiomàno izy ireo ny amin'ny fahatongavako—mba tsy hamely azy ireo Aho." 23 Dia hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: "Tsy afaka hiakatra ny tendrombohitra ny olona, fa nanandidy anay Ianao hoe: 'Asio fefy manodidina ny tendrombohitra ka hatokano ho an'i Yaveh izany.'" 24 Dia hoy Yaveh taminy hoe: "Mandehana, midina ny tendrombohitra, ka ento miakatra miaraka aminao i Arona, nefa aza avela handrava ny fefy mankaty amiko ireo mpisorona sy ireo vahoaka, fandrao hamely azy ireo Aho." 25 Dia nidina teo amin'ny vahoaka Mosesy ka niresaka tamin'izy ireo.
Io dia midika fa tonga tany an'efitra tamin'ny andro voalohan'ny volana tahaka ny nialany tany Egypta tamin'ny andro voalohan'ny volana izy ireo. Ny andro voalohan'ny volana fahatelo tamin'ny tetiandro Hebreo dia akaikin'ny tapaky ny May amin'ny tetiandro Tandrefana. DH: "Tamin'ny volana fahatelo...amin'ny andro voalohany amin'ny volana"
"nandeha"
Io dia toerana any amin'ny sisin'ny efitra any Sinay izay nitobian'ny vahoakan'Israely. Jereo ny nandikanao io anarana io ao amin'ny 17:1.
Ny teny hoe ''ankohonana" eto dia manondro ny fianakavian'i Jakoba sy ireo taranany. DH: "ireo taranak'i Jakoba"
Ny andianteny hoe "vahoakan'i Israely" dia manazava ny dikan'ny hoe "ankohonan"i Jakoba'.
Ny teny hoe "-nareo" eto dia manondro ireo Israelita. Milaza amin'i Mosesy izay hotenenina amin'ireo Israelita i Yaveh.
Resahin'Andriamanitra toy ny hoe elatra Izy ary nitondra azy ireo tamin'ny elany ny fitondrana ny vahoakany raha nandeha izy ireo. DH: "Nanampy anareo handeha tahaka ny voromahery izay mitondra ny zanak'izy ireo amin'ny elany Aho"
Ny am-pankatoavana dia afaka lazaina ho matoanteny. DH: "Henoy ny feoko ary ankatoavy Aho"
Ny feon'Andriamanitra dia manondro izay lazainy. DH: "izay teneniko" na "ireo teniko"
"manao izay takian'ny fanekeko hataonareo"
"fananana"
Resahin'Andriamanitra toy ny hoe mpisorona ireo vahoakany. DH: "fanjakan'ny olona izay tahaka ny mpisorona" na "fanjakan'ny olona izay manao izay ataon'ny mpisorona"
Soratan'ny mpanoratra toy ny hoe mandaha-teny anoloan'izy ireo ny filazan'i Mosesy zavatra amin'ny vahoaka. DH: "nilaza taminy ireo teny ireo"
Ny teny hoe "teny" dia manondro izay nolazain'i Yaveh. DH: "ny rehetra izay nandidian'i Yaveh azy"
Izay nandehanan'i Mosesy dia afaka ambara mazava. DH: "niverina niakatra teny an-tendrombohitra mba hitatitra i Mosesy"
Ny teny hoe "teny" dia manondro izay nolazain'ny vahoaka. DH: "izay nolazain'ny vahoaka"
Mety midika izany hoe "lazao izy ireo mba hanolo-tena ho Ahy" na "lazao izy ireo mba hanadio ny tenan'izy ireo ho Ahy".
"akanjo"
Io dia didy ho an'ny vahoakan'ny Israely.
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
"manisy fefy''. Izany dia na marika na karazana sakana.
DH: "Tsy maintsy vonoina tokoa ny olona izay mikasika ny tendrombohitra" na "Tsy maintsy vonoina tokoa ny olon izay mikasika ny tendrombohitra"
"Ny olona izay mikasika" na "Izay mikasika"
"olona izay manao izany" na "olona izay mikasika ny tendrombohitra"
DH: "Tsy maintsy torahanao vato na tifirinao izy"
Io dia manondro hoe vonoin'ny olona izay mitifitra zana-tsipika amin'ny tsipika na vato amin'ny antsamotady.
"feo lava, sy mafy"
Io dia fomba fiteny mihaja momba ny fatoriana miaraka amin'ny vadin'izy ireo. DH: "aza matory miaraka amin'ireo vadinareo"
"mihetsiketsika noho ny tahotra"
"nilatsaka"
Io dia maneho fa tena setroka matevim-be izany. DH: "tahaka ny setroka avy amin'ny afo be"
lafaoro izay mety afaka hatao mamay be
"mbola nihamafy nihamafy ihany"
Ny teny hoe "feo" eto dia manondro feo izay nataon'Andriamanitra. Ireo mety ho heviny dia 1) "tamin'ny fitenena mafy dia mafy tahakak ny kotrokorana" na 2) "tamin'ny fitenenana" na 3) "tamin'ny nampikotrohana ny kotrokorana"
"nandidy an'i Mosesy hiakatra Izy"
Resahin'Andriamanitra toy ny hoe afaka mamaky ny sakana ary handingana izany ny fandehanan'izy ireo nihoatra ny fefy. Jereo ny nandikanao ny hoe "asio fefy" ao amin'ny 19:12. DH: "tsy handeha mihoatra ny fefy" na "tsy handeha amin'ny sakana"
"nandeha nidina"
Resahin'Andriamanitra toy ny hoe afaka mamaky sakana sy mandeha amin'izany ny fandehanan'izy ireo amin'ny fefy. Jereo ny nandikanao io andianteny io ihany ao amin'ny 19:19. DH: "mandehana mihoatra ny fefy" na "mandehana mihoatra ny sakana"
1 Andriamanitra nilaza izao teny rehetra izao: 2 "Izaho no Yaveh Andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, avy tao amin'ny trano fanandevozana. 3 Aza manana andriamanin-kafa fa izaho ihany. 4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao na ho endriky ny zavatra eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. 5 Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy, fa Izaho, Yaveh Andriamanitrao, dia Andriamanitra saropiaro. Ka ny haratsiam-panahin'ny razanao dia valiako any amin'ny taranakao, dia ny zanaka sy ny zafiafin'ireo izay mankahala ahy. 6 Nefa kosa maneho tsy fivadiham-panekena amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ireo didiko Aho. 7 Aza manonona fahatany ny anaran'i Yaveh Andriamanitrao, fa Izaho dia hiampanga ireo izay manonona fahatany ny anarako. 8 Tsarovy ny andro Sabata, mba hanokanana izany ho Ahy. 9 Aoka hataonao mandritra ny enina andro ny asa aman-draharaha rehetra. 10 Fa ny andro fahafito dia Sabata an'i Yaveh Andriamanitrao. Amin'izany dia tsy tokony hisy asa atao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompo lahinao, na ny mpanompo vavinao, na ny biby fiompinao, na ireo mpivahiny izay miditra anatin'ny vavahadinao. 11 Fa nandritra ny enina andro Yaveh no nanao ny tany sy ny lanitra, ny ranomasina, ary ny zavatra rehetra izay ao anatin'izany, ary nitsahatra tamin'ny andro fahafito. Noho izany Yaveh dia nitahy ny andro Sabata ka nanokana izany. 12 Manajà ny rainao sy ny reninao, mba ho lava andro iainana ianao eo amin'ny tany izay omen'Andriamanitra anao. 13 Aza manono olona. 14 Aza mijanganjanga. 15 Aza mangalatra any amin'ny olona. 16 Aza mijoro vavolombelona tsy marina manohitra ny namanao. 17 Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao, aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, ny mpanompo lahiny, ny mpanompo vaviny, ny ombiny, ny borikiny, na izay rehetra hananan'ny namanao. 18 Ary ny olona rehetra nandre ny kotrok'orana sy ny tselatra, ary nandre ny feon'ny trompetra, ary nahita ny trendrombohitra nanetroka. Rehefa nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ireo ary nijoro avy lavitra. 19 Hoy izy ireo tamin'ny Mosesy hoe: "Mitenena aminay, ary hihaino izahay; fa aza avela hiteny aminay Andriamanitra, fandrao ho faty izahay." 20 Hoy Mosesy tamin'ny olona hoe: "Aza matahotra, fa Andriamanitra dia tonga hitsapa anareo mba ho aminareo ny voninahiny, ary mba tsy hanotanareo." 21 Dia nijanona teny lavitra teny ny olona, ary Mosesy nanatona ny aizim-pito izay nisy an'Andriamanitra. 22 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Izao no tsy maintsy lazainao amin'ny Israelita: 'Ianareo efa nahita fa tany an-danitra aho no niteny taminareo. 23 Ianareo dia tsy tokony hanao andriamanin-kafa miaraka amiko, na andriamanitra volafotsy na ireo andriamanitra volamena. 24 Tokony hanao alitara tany ho ahy ianareo, ary tokony anao sorona amin'ny fanatitra dorana eo amboniny, fanatitra fiombonana, ondry, ary omby. Eny amin'ny toerana izay nofidiako ho anareo hanomezana voninahitra Ahy. 25 Raha hanao alitara vato ho ahy hianareo, dia aoka tsy ho vato voapaika no hanaovanareo azy, satria raha hampiasa ny fitaovanareo aminy ianareo, dia handoto izany. 26 Aza miakatra amin'ny ambaratongany ho eo amin'ny alitarako; izany dia mba tsy hisehoan'ny fitanjahanareo."'
''toerana izay naha-andevo anao"
"Aza manompo andriamanitra hafa afa-tsy Izaho ianareo"
"ary aza manao ny mitovy"
Ny teny hoe "azy" dia manondro ireo sary sikotra na sampy.
Tian'Andriamanitra hanompo Azy irery ihany Andriamanitra.
Hanasazy ny olona noho ny otan'ireo ray aman-dreniny Andriamanitra.
"ny taranaka faha-3 sy ny faha-4''. Eto ny hoe "fahatelo" sy "fahaefatra" dia isa ho an'ny "3" sy "4''.
"noho ny fanekeko, dia mahatoky amin'ny an'arivony Aho" na "Tia am-pahatokiana ny an'arivony Aho"
"taranak'ireo maro"
"mampiasa ny anarako"
"tsy am-pitandremana" na "tsy mba misy fanajana"
"hanameloka tokoa Aho" na "hanasazy tokoa Aho"
"ataovy ny raharahanareo mahazatra"
Ireo tanàna matetika dia misy rindrina manodidina azy mba tsy hahatafiditra ireo fahavalo, ary ireo vavahady dia ho mba hidirana sy hivoahan'ny olona. DH: "ao amin'ny fiaraha-moninareo" na "anatin'ny tanànanareo"
"amin'ny andro fahafito". Eto ny hoe "fahafito" dia isa ho an'ny "7".
Ireo mety ho heviny dia 1) Nahatonga ny andro Sabata hanome vokatra tsara Andriamanitra, na 2) Nolazain'Andriamanitra fa tsara ny andro Sabata.
"nanokana izany ho amin'ny tanjona miavaka"
"Aza miaraka amin'olon-kafa afa-tsy ny vadinao"
"aza miteny tatitra diso" na "aza milaza lainga momba ny olona"
"aza te hanana mafy" na "aza te haka"
"faneno"
"setroka avy amin'ny tendrombohitra"
"nangovitra tamin'ny tahotra izy ireo"
"nijoro teny lavitra" na "nijoro teny lavidavitra" (UDB)
"mba hanome voninahitra azy ary tsy hanota ianareo"
"nanakaiky ny"
"Lazao amin'ireo Israelita izao"
"Efa nandre Ahy niteny taminareo avy any an-danitra Aho"
"Aza manao sampy ho andriamani-kafa afa-tsy Izaho"
"andriamanitra natao tamin'ny volafotsy na volamena" na "sampy natao tamin'ny volafotsy na volamena"
ny alitara dia natao tamin'ny fitaovana avy amin'ny tany, tahaka ny vato, tany, na tanimanga
Eto ny hoe "anarana" dia sarinteny ho maha-Andriamanitra. DH: "nofidianao hanome voninahitra Anao" (UDB)
"Aza manao alitara izay misy zana-tohatra"
"maneho ny fitanjahanareo"
1 "Ary ireto no didy izay tsy maintsy hapetrakao eo anoloan'izy ireo: 2 'Raha mividy mpanompo Hebreo ianao, dia hanompo mandritra ny enin-taona izy, ary amin'ny taona fahafito dia handeha malalaka tsy hanefa na inona na inona izy. 3 Raha izy tenany no tonga, dia tsy maintsy mandeha an-kalalahana ny tenany; raha manambady izy, ny vadiny dia tsy maintsy mandeha an-kalalahana miaraka aminy. 4 Raha nanome vady ho azy ny tompony ka niteraka zazalahy na zazavavy taminy izy, dia ny vadiny sy ireo zanany dia ho an'ny tompony, ary tsy maintsy mandeha an-kalalahana ny tenany. 5 Fa raha miteny mazava tsara ilay mpanompo hoe: "Tiako ny tompoko, ny vadiko, sy ireo zanako; tsy handeha am-pahalalahana aho," 6 dia aoka hitondra azy ho eo amin'Andriamanitra ny tompony. Tsy maintsy hitondra azy eo am-baravarana na tolam-baravarana ilay tompo, ka tsy maintsy tevehin'ny tompony amin'ny haolo ny sofiny. Ary dia hanompo azy mandra-pahatapitry ny ainy ilay manompo. 7 Raha misy lehilahy mivarotra ny zanany vavy ho mpanompo vavy, dia tsy handeha an-kahalalahana toy ilay mpanompo lahy izy. 8 Fa raha tsy mahafaly ny tompony izy, izay nifidy azy ho an'ny tenany, dia aoka izy hamela azy hovidiana indray. Tsy manan-jo hivarotra azy amin'ny vahiny izy. Tsy manan-jo toy izany izy, satria namitaka azy. 9 Raha fidian'ny tompony ho toy ny vady ho an'ny zanany lahy izy, dia tsy maintsy hitondra azy toy ny zanany vavy izy. 10 Raha maka vady hafa ho azy izy, dia tsy tokony hampihena ny sakafony, ny fitafiany, na ny zo ara-panambadiany. 11 Fa raha tsy manome azy ireo zavatra telo ireo, dia afaka mandeha ankahalalahana izy ary tsy mandoa vola. 12 Na iza na iza mamono olona ka mahafaty azy, dia aoka ho vonoina tokoa izany olona izany. 13 Fa raha tsy nanomana mialoha izany ilay lehilahy, fa tsy fanahiniana kosa, dia hanondro toerana hahafahany mandositra aho. 14 Raha manafika an-tsitrapo ny mpiara-belona aminy ny olona iray ka mamono azy amin'ny hevi-petsy, dia tsy aoka halainao izy mba ho faty, na dia any amin'ny alitara an'Andriamanitra aza izy. 15 Na iza na iza mamely ny rainy na ny reniny dia tsy maintsy hovonoina izy. 16 Na iza na iza maka an-keriny olona iray ka mivarotra azy, na tratra teny an-tanany ilay olona, dia aoka ho vonoina tokoa izany mpaka an-keriny izany. 17 Na iza na iza manozona ny rainy na ny reniny dia aoka ho vonoina tokoa izy. 18 Raha miady ireo lehilahy ka mamely ny iray amin'ny vato na totondry, ka tsy maty izany olona izany, nefa tsy afa miala eo am-pandrinany; 19 ary raha sitrana izy ka afaka mandeha amin'ny fampiasana ny tehiny, dia tsy maintsy manonitra ilay fotoanany very ilay olona izay namely azy; ary tsy maintsy miantoka ny fanasitranana azy tanteraka ihany koa izy. Fa izany olona izany dia tsy meloka amin'ny famonoana. 20 Raha misy olona mikapoka ny mpanompony lahy na ny mpanompo vaviny amin'ny tehina, ka raha maty nohon'ny ny ratra ilay mpanompo, dia tsy maintsy ho faizina tokoa izany olona izany. 21 Kanefa, raha miaina mandritra ny andro iray na roa ilay mpanompo, dia tsy tokony ho sazina ilay tompony, satria hijaly amin'ilay fahaverezan'ny mpanompony izy. 22 Raha miady sy mandratra vehivavy bevohoka ireo lehilahy, ka afa-jaza izy, nefa tsy misy ratra hafa eny aminy, dia ilay lehilahy meloka dia tsy maintsy manantanteraka izay sitrapony vadin'ilay vehivavy avy aminy, ary tsy maintsy manonitra izay araka ny famaritan'ny mpitsara izy. 23 Fa raha misy ratra lehibe kosa, 24 dia tsy maintsy manome aina ho solon'ny aina, maso ho solon'ny maso, nify ho solon'ny nify, tanana ho solon'ny tanana, tongotra ho solon'ny tongotra, 25 may ho soloin'ny may, ratra ho solon'ny ratra, na mangana ho solon'ny mangana izy. 26 Raha misy olona mamely ny mason'ny mpanompo lahiny na ny mpanompo vaviny ka manimba izany, dia tsy maintsy hamela ilay mpanompo handeha an-kahalalahana ho fanonerana ny masony izy. 27 Ary raha manala ny nifin'ny mpanompo lahiny na mpanompo vaviny izy, dia tsy maintsy hamela ilay mpanompo handeha an-kahalalahana ho fanonerana ny nify. 28 Raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka nahafaty azy, dia tsy maintsy ho toraham-bato ilay omby, ary ny nofony dia tsy azo hohanina; dia tsy ho meloka tompon'ilay omby. 29 Fa raha nanam-pahazarana nanoto ilay omby taloha, ary efa nampitandremana ny tompony nefa tsy nihaino izany, ka nahafaty lehilahy na vehivavy ilay omby, dia tsy maintsy ho toraham-bato izany omby izany, ary tsy maintsy hovonoina koa ny tompony. 30 Raha ilaina ny fandoavana vola ho solon'ny ainy, dia tsy maintsy handoa izay takiany izy. 31 Raha misy omby nanoto zazalahy na zazavavy, dia tsy maintsy manao izay takian'ny didy ho atao ilay tompon'ny omby. 32 Raha manoto mpanompo lahy na mpanompo vavy ilay omby, dia tsy maintsy mandoa sekely vola fotsy telopolo ny tompon'ilay omby, ary tsy maintsy ho toraham-bato ilay omby. 33 Raha misy olona manokatra lavaka iray, na misy olona mihady lavaka nefa tsy manarona izany, ka misy omby na boriky latsaka ao amin'izany, 34 dia tsy maintsy mamerina ny fatiantoka ny tompon'ilay lavaka. Tsy maintsy manome vola ho an'ny tompon'ny biby maty izy, ary ireo biby maty dia ho lasany. 35 Raha misy ombin'olona mandratra ny ombin'ny hafa ka mahafaty azy, dia tsy maintsy hamidin'izy ireo ny omby velona ka hozaraina ny vidiny, ary tsy maintsy zarainy izy ireo ihany koa ny omby maty. 36 Fa raha fantatra fa efa zatra nanoto ilay omby teo aloha, ka tsy nitandrina izany ny tompony, dia tsy maintsy hanonitra omby ho solon'ny omby izy, ary ilay biby maty dia ho lasany.
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
"tsy maintsy homenareo azy ireo" na "tsy maintsy lazainareo"
Miteny amin'i Mosesy ny lalàny amin'ny vahoakan'Israely i Yaveh.
Izay dikan'ny hoe "izy tenany" dia afaka ambara mazava. Ireo fiteny sasany dia mitaky fa ny fepetra fanampiny, izay hoe manambady izy nefa mbola andevo, dia afaka ambara mazava. DH: "Raha lasa andevo raha nefa tsy mbola nanambady, ary raha manambady izy nefa mbola andevo, dia mila manafaka ilay lehilahy ny tompony"
"irery" na "tsy misy vady"
"raha nanambady izy fony izy nanjary andevo" na "raha tonga toy ny lehilahy manambady izy"
"milaza mazava"
"Tsy tiako hanafaka ahy ny tompoko"
"mandavaka ny sofiny"
fitaovana maranitra nampiasaina handavahana
"mandra-pahatapitry ny fiainany" na "mandra-pahafatiny"
"nisafidy"
DH: "tsy maintsy hamela ny rainy hividy azy indray izy"
"tsy manana fahefana hivarotra"
"efa namitaka azy"
"mifidy"
DH: "tsy maintsy hanome ny sakafo, ny fitafiana, sy ny zo ara-panambadiana toy ny teo aloha ihany izy"
"manala" na "mandatsaka"
Tafiditra ao amin'izany ireo zavatra izay tsy maintsy ataon'ny vadiny amin-dravehivavy, anisan'izany ny fiarahana matory aminy. DH: "ary tsy maintsy hiara-matory aminy tahaka ny taloha ihany izy" (UDB)
"mamela" na "manafika"
DH: "tsy maintsy vonoinao izany olona izany"
"tsy nieritreritra ny hanao izany" na "tsy nanao izany noho ny antony"
Ny tanjon'ny fifidianana toerana iray dia afaka ambara mazava tsara eto. DH: "Hifidy toerana izay afaka handosiranao aho mba ho voaaro ianao"
"aorian'ny fieritreretany fatratra ny momba izany"
Ny teny hoe "izy" dia manondro ny olona izay nanomo ny mpiara-monina aminy.
DH: "mba ahafahanao mamono azy"
DH: "Raha misy olona mamely ny rainy na ny reniny, dia tsy maintsy vonoina ho faty tokoa izy" na "Tsy maintsy vonoinao tokoa ny olona izay mamely ny rainy na ny reniny"
''tena tsy maintsy"
"miaraka aminy"
DH: "tsy maintsy vonoinao tokoa izany mpaka an-keriny izany"
DH: "tsy maintsy hamono ny olona izay manozona ny rainy na ny reniny tokoa ianao"
DH: "tsy tafarina eo am-pandriana" na "tsy maintsy matory eo am-pandriana"
"miha-tsara"
Io tsora-kazo izay afaka ianteherana ho fanohanana rehefa mandeha.
Io dia manondro trangan-javatra rehefa misy olona tsy afaka miasa mba ahazoana vola. Afaka milaza izany mazava ianao amin'ny fandikana teny. DH: "ny fotoana tsy ahafahany miasa"
"mandoa ny vidin'ny fanafodiny" na "mandoa ny vidin'ny fanasitranana azy" (UDB)
"noho ny ratra" na "satria namely azy ny tompony"
DH: "tsy maintsy hanasazy izany lehilahy izany ianao"
Afaka lazainao mazava ao amin'ny fandikan-teny fa sarobidy amin'ny tompony ny mpanompo. DH: "satria efa namoy ny mpanompony izay sarobidy taminy izy"
"maty ao am-bohoka ny zanany" na "teraka aloha loatra ny zanany dia maty"
DH: "tsy maintsy hampandoa onitra amin'ilay meloka ianao" na "tsy maintsy handoa onitra ilay lehilahy meloka"
"izay tapak'ireo mpitsara"
Izany dia midika fa raha maratra izy, dia ilay olona izay nandratra azy dia tsy maintsy ratraina toy izany koa. DH: "tsy maintsy manome ny ainy ho solon'ny ain-dravehivavy izy, ny maso ho solon'ny masony"
Eto ny hoe "olona" dia manondro ny tompon'ny andevo.
''ho fandoavana". Ny fanonerana dia izay ataon'ny olona ho an'ny olona hafa na omena ny olona hafa mba hanamboarana izay efa nataony ka nahavery izany olona izany.
"mandratra amin'ny tandroka"
DH: "tsy maintsy torahanao vato ho faty ilay omby"
DH: "tsy azonao hohanina ny nofon'izany"
DH: "aza omenao tsiny ny tompon'ny omby"
DH: "tsy maintsy vonoinao ihany koa ny tompon'izany"
Raha afaka mandoa onitra mba hanavotana ny ainy ny tompon'ny omby, dia tsy maintsy handoa izay rehetra tapak'ireo mpitsara izy. DH: "raha afaka mandoa onitra ny tompon'ny omby mba hanavotana ny ainy, tsy maintsy handoa ny fatra feno izay lazain'ny mpitsara fa tsy maintsy aloany izy" (UDB)
"nandratra tamin'ny tandrony"
"volafotsy 330 grama". Sekely nilanja iraika ambiny folo grama.
DH: "tsy maintsy vonoinao amin'ny fitoraham-bato izany ilay omby"
"tsy manarona lavaka amin'ny tany" na "manala ny saron'ny lavaka amin'ny tany''
Ny tompony dia tsy maintsy andoavana noho ny fahaverezan'ny bibiny. DH: "mandoa amin'ny tompony noho ilay biby maty.
Ilay olona izay nandoa noho ny fahaverezan'ny bibiny dia ho lasa tompon'ilay biby maty ary afaka atao izay tiany anaovana izany. Ny dikan'io fanambarana io feno dia afaka hazavaina. DH: "ho an'ny tompon'ilay lavaka"
"hozaraina ny vola" na "hozaraina ny vola azon'izy ireo"
DH: "raha fantatry ny olona" na "raha fantatry ny tompony"
"efa nanoto biby hafa teo aloha"
Io dia midika fa tsy nanidy ny ombiny tsara tao anaty vala ny tompony. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "tsy nanidy izany tao anaty valany ny tompony"
Ny tompon'ny omby izay namono dia tsy maintsy manome omby ho an'ilay olona izay namoy ny ombiny. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "ny tompon'ny omby izay namono dia tsy maintsy hanome omby velona ho an'ny tompon'ny omby izay maty"
1 Raha misy olona mangalatra omby na ondry ka mamono izany na mivarotra izany, dia tsy maintsy manonitra omby dimy ho an'ny omby iray izy, ary ondry efatra ho an'ny ondry iray. 2 Raha misy mpangalatra tratra mamaky trano, ary raha vonoina izy ka maty, dia tsy misy fanamelohana nohon'ny vono-olona hamatotra na iza na iza nohon'ny aminy amin'izany tranga izany. 3 Fa raha niposaka ny masoandro talohan'ny namakiany ny trano, dia hamatotra ilay olona izay namono azy ny fanamelohana amin'ny vono-olona. Tsy maintsy manonitra ny nangalariny ny mpangalatra. Raha tsy manana na inona na inona izy, dia tsy maintsy amidy nohon'ny fangalarany. 4 Raha hita velona eny an-tanany ilay biby nangalariny, na omby izany, na apondra, na ondry, dia tsy maintsy hanonitra avo roa heny izany izy. 5 Raha misy olona mamela ny biby fiompiny hiraoka eny an-tsaha na eny amin'ny tanim-boaloboka ary mamela ireo bibiny ho very, ka miraoka eny amin'ny sahan'ny olon-kafa izany, dia tsy maintsy manonitra amin'izay tsara indrindra ao amin'ny sahany manokana sy izay tsara indrindra ao amin'ny tanim-boalobony manokana izy. 6 Raha misy afo mirehitra ka mihitatra amin'ny tsilo ary mahazo ny voam-bary, na vary voajinja, na saha, dia azo antoka fa tsy maintsy hanonitra ilay iray izay nampirehitra ny afo. 7 Raha misy olona manome vola na harena amin'ny namany aminy mba hiarovana izany, ary raha nangalarina tao an-tranon'ilay olona izany, ka hita ilay mpangalatra, dia tsy maintsy hanonitra avo roa heny ilay mpangalatra. 8 Fa raha tsy hita ilay mpangalatra, dia tsy maintsy tonga alohan'ireo mpitsara ilay tompon-trano mba hijery raha ny tanany ihany no nangalatra ny fananan'ilay namany aminy. 9 Fa ny fifandirana rehetra momba ny zavatra iray, na omby izany, na apondra, na ondry, na fitafy, na ireo zavatra hafa tsy ampy momba izay lazain'iray hoe: "Ahy ity," dia tsy maintsy tonga eo anoloan'ireo mpitsara ny fitarainan'ireo antoko roa. Ilay olona izay nomelohan'ny mpitsara dia tokony hanonitra avo roa heny amin'ny namany. 10 Raha misy olona manome apondra, na omby, na ondry na biby hafa ho tehirizin'ny mpiara-belona aminy, ka raha maty izany na maratra na nisy nitondra ka tsy nisy nahita, 11 dia tsy maintsy mianiana amin'i Yaveh ireo roa ireo, raha nisy olona iray na tsia nangalatra ny fananan'ny mpiara-belona aminy. Tsy maintsy manaiky izany ny tompony, ary tsy hanohitra ilay iray hafa. 12 Fa raha nangalarina taminy izany, dia tsy maintsy manonitra izany amin'ilay tompony ny hafa. 13 Raha nisy biby noviraviraina, dia aoka ilay olona hafa hitondra ilay biby ho porofo. Ary tsy hanonitra izay efa noviraviraina izy. 14 Raha misy olona mindrana biby amin'ny mpiara-belona aminy ka naratra na maty ilay biby nefa tsy niaraka tamin'ny tompony, dia tsy maintsy manonitra ilay olona hafa. 15 Fa raha niaraka tamin'izany ilay tompony, dia tsy mila manonitra ilay olona hafa; raha nofaina ilay biby, dia honerana amin'ny hofany izany. 16 Raha misy lehilahy misarika virijiny izay mbola tsy nanambady, ary raha miara-mandry aminy izy, dia tsy maintsy maka azy ho vady izy amin'ny alalan'ny tampi-maso takiana amin'izany. 17 Raha mandà tanteraka ny hanomezana azy ho azy ny rainy, dia tsy maintsy manonitra vola mitovy amin'ny tampi-maso ho an'ny virijiny izy. 18 Tsy tokony hamela ny mpanandro ho velona ianao. 19 Na iza na iza miara-mandry amin'ny biby dia tsy maintsy ho vonoina tokoa. 20 Na iza na iza manao sorona ho an'andriamanitra afa-tsy Yaveh dia tsy maintsy haringana tanteraka. 21 Aoka tsy handiso ireo vahiny na hampijaly azy ianao, satria ianao dia vahiny tany amin'ny tany Egypta. 22 Aoka tsy hampijaly ny mpitondra-tena na zaza kamboty ray mihitsy ianao. 23 Raha mampahory azy ireo loatra ianao, ka miantso Ahy izy ireo, dia ho reko tokoa ny antson'izy ireo. 24 Hirehitra ny fahatezerako, ary ho vonoiko amin'ny sabatra ianao; hanjary ho mpitondra-tena ny vadinao, ary ho kamboty ray ireo zanakao. 25 Raha mampindrana vola ho an'ny oloko izay mahantra eo aminao ianao, dia aoka tsy ho toy ny mpampindram-bola aminy ianao na manjanam-bola azy. 26 Raha maka ny fitafian'ny namanao ho antoka ianao, dia aoka haverinao aminy izany alohan'ny hilentehan'ny masoandro, 27 fa izany ihany no fisaronana ho azy; izany no fitafiany ho an'ny vatany. Inona ihany koa no afaka handriany? Rehefa miantso Ahy izy, dia handrea azy Aho, satria be fangorahana Aho. 28 Aoka ianao hiteny ratsy Ahy, Andriamanitra, na hanozona ny mpanapaka ny vahoakanao. 29 Aoka tsy hihazona ireo fanatitra avy amin'ny vokatry ny taninao na ireo famiazam-boalobokao ianao. Aoka homenao Ahy ny voalohan-teraka amin'ireo zanakao. 30 Ary aoka hanao izany amin'ireo omby sy ondrinao ihany koa ianao. Fa amin'ny andro fahafito dia afaka hitoetra miaraka amin'ireo reniny izy ireo, fa amin'ny andro fahavalo dia tokony homenareo ahy. 31 Ho olona voatokana ho Ahy ianareo. Noho izany dia tsy tokony hihinana hena izay efa noviravirain'ny biby teny an-tsaha ianareo. Fa kosa, aoka hatsipinareo ho an'ny alika izany.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny lalàny ho an'ny vahoakan'ny Israely i Yaveh.
DH: "Raha misy olona mahatratra mpangalatra"
"mampiasa hery mba hidirana ao amin'ny trano iray"
DH: "raha misy olona mamely mpangalatra ka maty izy"
"tsy misy olona ho meloka noho ny famonoana azy"
"raha mbola mazava mialohan'ny hamakiany trano" na "raha mamaky trano izy nefa aorian'ny fiposahan'ny masoandro"
"ny olona izay mamono azy dia ho meloka noho ny famonoana olona"
"mandoa ny amin'izay nangalariny"
DH: "tsy maintsy hivarotra azy ho andevo ianao mba handoavany izay nangalariny"
DH: "Raha hitan'izy ireo fa mbola velona ilay biby izay nangalariny"
mandoa biby roa ho solon'ny biby rehetra izay nangalariny
"Raha misy olona mamela ireo bibiny hihinana zava-maniry"
"mihinana zava-maniry izany"
"tsy maintsy handoa amin'ny tompon'ny saha izy"
"Raha misy olona mandrehitra afo ka mihitatra any amin'ny tsilo izany"
"mifindra amin'ny tany amin'ny zava-maina"
Izany dia vary izay notapahina sy nofatorana ho voafehy. "fehezam-bary" na "vary voajinja"
Io dia vary izay tsy notapahina, fa efa azo jinjaina.
"mandoro ny saha ny afo" na "mamotika ny saha ny afo"
"tsy maintsy mandoa solon'ny vary izay ravan'ny afo"
"mba hiambina izany" na "mba hitahiry tsara izany"
DH: "raha misy olona mangalatra izany"
olona izay mangalatra zavatra
DH: "raha hitanao ilay mpangalatra"
"tonga eo anoloan'ireo mpitsara mba ahafahan'izy ireo mitady raha"
Io dia fomba fiteny. Raha misy fomba fiteny hilazana izany ny fiteninao, dia afaka ampiasainao eto izany. DH: "nangalatra ny fananan'ny mpiara-monina aminy"
Tsy maintsy hihaino ny olona roa izay mitaky fa azy ireo ny zavatra ireo mpitsara ary hanapa-kevitra hoe iza no meloka.
Ny olona izay noendrikendrehina nangalatra biby ihany no tsy maintsy mianiana. Ny tompon'ny biby very dia tsy maintsy manaiky ny fianianana izay nianianana. DH: "ny olona izay nikarakara ilay biby dia tsy maintsy mianiana fianianana anatrahan'i Yaveh ary ny tsy maintsy manaiky izany fianianana izany ny tompony"
DH: "Nefa raha nisy olona nangalatra ny biby taminy''
DH: "Nefa raha nisy bibidia namiravira biby"
DH: "Tsy handoa solon'ny biby izay novonoin'ilay bibidia izy"
''tsy maintsy handoa biby hafa indray tokoa" na "tsy maintsy handoa biby amin'ny tompony"
DH: "raha misy olona nanofa biby"
Ny olona izay nindrana biby dia tsy handoa zavatra amin'ny tompony mihoatra noho ny hofany. Io hofany io dia haloa ho solon'ilay biby. Io dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "ny vola izay naloan'ny olona nanofa ilay biby dia hanarona ny fahaverezan'ilay biby"
"saram-panofana'' na "vola naloa mba hanofana ilay biby"
"mandresy lahatra"
"tsy mbola manambady''
Ny fiarahana matory amin'ny olona dia sarinteny amin'ny hoe firaisana. DH: "raha miray aminy izy"
"vodiondry" na "vidin'ny fofom-bady"
Ireo mpisolotena ireo dia manondro ny olona izay nisarika virijiny.
Eto ny hoe "miara-mandry amin'ny biby" dia sarinteny izay midika fa miray amin'ny biby ny olona iray. DH: "Tsy maintsy hamono izay olona miray amin'ny biby tokoa ianao"
DH: "Ry Yaveh, tsy maintsy ravanao tanteraka"
"ratsy fitondra vahiny" na ''mamitaka vahiny"
DH: "Aza mampijaly ireo mpitondra-tena sy ireo kamboty rehetra"
"vehivavy maty vady"
"zaza tsy ray aman-dreny"
Ny hoe vonoina "amin'ny sabatra" dia sarinteny izay midika fa ho faty amin-kerisetra ny olona iray, na mety hoe miady ao anatin'ny ady. DH: "ho fatin'ny fahafatesana mahatsiravina"
"olona izay mindram-bola"
"mampandoa vola mihoatra azy tamin'ny findramana" na "mampandoa vola mihoatra azy noho ny findramam-bola"
"akanjo ho antoka" na ''akanjo ho antoka mba handoavana ilay vola nindramina"
"akanjo ihany" na "akanjo izay hampafana azy ihany"
Io fanontaniana io dia manindry. Afaka adikanao ho fanambarana mahery izany. DH: "Tsy hanana na inona na inona hanaovana izy raha matory!"
"be famindram-po" na "miantra"
"Aza manevateva an'Andriamanitra" na "Aza miteny ratsy momba an'Andriamanitra"
"ary aza mangataka amin'Andriamanitra mba hanao ratsy amin'ny mpanapaka"
DH: "Tsy maintsy mitondra ny fanatitrareo rehetra ianareo"
"atolory ho Ahy ireo zanaka lahimatoanareo"
"atolory Ahy ny voalohan-teraky ny"
Io dia afaka soratana atao isa. DH: "Mandritra ny fito andro aorian'ny nahaterahan'izy ireo"
Io dia afaka soratana atao isa. DH: "andro laharana faha-8''
"atolory ho Ahy izy ireo''
1 Aza manome tatitra diso na momban'iza na momban'iza. Aza mikambana amin'ny olona ratsy fanahy mba ho vavolombelona tsy marina. 2 Aza manaraka ny maro hanao ratsy, na aza mety hijoro vavolombelona raha manaraka ny maro mba hamadika ny rariny. 3 Aza miangatra amin'ny mahantra any amin'ny fitsarana azy. 4 Raha hitanao mania ny ombin'ny fahavalonao na ny borikiny, haverenonao any aminy izany. 5 Raha hitanao lavo voatsindrin'ny entany amin'ny tany ny borikin'ny olona izay mankahala anao, aza mandao izany olona izany. Aoka hanampy azy amin'izany borikiny izany tokoa ianao. 6 Aza mamadika ny rariny raha tokony ho an'ny olona malahelo any amin'ny adin'ny malahelo izany. 7 Aza mikambana amin'ny fanaovana fiampangana lainga, ary aza mamono ny tsy manan-tsiny na ny olo-marina, fa tsy hanamarina ny ratsy fanahy Aho. 8 Aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ireo izay mahiratra, ary mamily ny tenin'ny olo-marina. 9 Aza mampahory ny hafa firenena, satria fantatrao ny fiainan'ny vahiny, fa vahiny ianareo tany amin'ny tany Egypta. 10 Hamafy voa amin'ny tany ary hanangona ny vokatra avy aminy ianao mandritra ny enin-taona. 11 Fa amin'ny taona fahafito dia havelanao tsy hovolena sy hajanonao eo izany, mba hahafahan'ireo mahantra amin'ny vahoakanao hihinana. Ny sisan'izy ireo, dia hohanin'ireo bibidia. Hanao tahaka izany amin'ireo tanim-boalobokao sy ireo tanin'olivanao ianao. 12 Mandritry ny enina andro dia hanao ny asanao ianao, fa amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy mitsahatra ianao. Ataovy izany mba hahafahan'ny ombinao sy ny borikinao mitsahatra, ary mba hahafahan'ny zanaka lahin'ny andevo vavinao sy ny vahiny mitsahatra sy maka aina. 13 Tandremo ireo zavatra rehetra izay voalazako anao. Aza manonona anaran'andriamanitra hafa, na hamela ny anaran'izy ireo ho heno avy amin'ny vavanao. 14 Tsy maintsy mandeha intelo isan-taona ianao hanao andro firavoravoana ho ahy. 15 Tandremonao ny andro Firavoravoana ho amin'ny mofo tsy misy masirasira. Araka ny nandidiako anao, hihinana mofo tsy misy masirasira ianao mandritra ny fito andro. Amin'izany fotoana izany, hiseho eo anatrehako ianao amin'ny volana Abiba, izay voatendry ho an'izany tanjona izany. Tamin'izany volana izany no nivoahanao avy tany Egypta. Nefa aza miseho eo anatrehako tanam-polo ianao. 16 Tandremonao ny andro firavoravoan'ny fijinjana, tamin'ny namafazanao voa voalohany tamin'ny tany. Tandremonao ihany koa ny andro firavoravoan'ny fampiakaram-bokatra amin'ny faran'ny taona, rehefa manangona ny vokatrao avy amin'ny tany ianao. 17 Ireo lahinao rehetra dia tsy maintsy miseho eo anatrehan'ny Tompo Yaveh intelo isan-taona 18 Aza manolotra ny rà avy amin'ireo sorona natao ho Ahy miaraka amin'ny mofo misy lalivay ianao. Aza avela hijanona mandritra ny alina hatramin'ny maraina ny jabora avy amin'ireo sorona tamin'ny andro firavoravoako. 19 Ny voaloham-bokatra voafantina indrindra avy amin'ny taninao dia tsy maintsy aterinao ao an-tranoko, dia tranon'i Yaveh Andriamanitrao. Aoka tsy hahandro ny zanak'osy amin'ny rononon-dreniny ianao. 20 Izaho handeha haniraka anjely eo alohanao mba hiaro anao eny an-dalana, ary mba hitondra anao any amin'ny toerana izay nomaniko. 21 Mihainoa azy ary ankatoavy izy. Aza mihantsy azy, fa tsy hamela ireo fahotanao izy. Ny anarako no ao aminy. 22 Raha mankatoa ny feony tokoa ianao ary manao ny zavatra rehetra izay lazaiko aminao, dia ho fahavalon'ireo fahavalonao Aho ary ho mpifanandrina amin'ireo mpifanandrina aminao. 23 Handeha eo alohanao ny anjeliko ary hitondra anao any amin'ireo Amorita, Hetita, Perisita, Kananita, Hivita, ary ireo Jebosita. Handringana azy ireo Aho. 24 Aza miankohoka amin'ny andriamanitr'izy ireo, manompo azy ireo, na manao izay hataon'izy ireo ianao. Fa kosa, tsy maintsy ravanao tanteraka ireo ary torotoroy ireo tsangam-baton'izy ireo. 25 Manompoa an'i Yaveh Andriamanitrao, dia hitahy ny mofonao sy ny ranonao Izy. Hesoriko aminao ny aretina. 26 Tsy hisy vehivavy ho momba na ho afa-jaza any amin'ny taninao. Homeko andro lava hiainana ianao. 27 Handefa ny tahotra ny tenako amin'ireo izay tany alehanao Aho. Hamono ireo olona rehetra izay mifanena aminao Aho. Hampiamboho ireo fahavalonao rehetra amin'ny tahotra Aho. 28 Handefa fanenitra ho eo anoloanao mba handroaka ireo Hivita, Kananita, ary Hetita tsy ho eo alohanao Aho. 29 Tsy handroaka azy ireo eo alohanao anatin'ny taona iray Aho, fandrao ho foana ny tany, ary ho maro loatra aminao ireo bibidia. 30 Fa kosa, horoahiko tsikelikely tsy ho eo anoloanao ireo mandra-pahatonga anao mamokatra ka handova ny tany. 31 Hataoko hatrany amin'ny ranomasina Mena ka hatrany amin'ny ranomasin'ny Filistina ny sisin-taninao, ary hatrany an'efitra ka hatrany amin'ny ony Eofrata. Izaho hanome anao fandresena amin'ny mponin'ny tany. Horoahinao eo anatrehanao izy ireo. 32 Aza manao fanekena amin'izy ireo na amin'ireo andriamaniny ianao. 33 Tsy mahazo mipetraka eo amin'ny taninao izy ireo, raha tsy izany izy ireo dia hampanota anao amiko. Raha manompo ireo andriamanitr'izy ireo ianao, dia hivadika ho fandrika ho anao tokoa izany.'"
Manohy milaza amin'i Mosesy ireo lalàny ho an'ny vahoakan'Israely i Yaveh
Io dia mitovy amin'ny hoe mandainga na vavolombelona tsy marina.
"ary tsy maintsy miteny ihany koa ianao"
Io dia sarinteny izay manoritsoritra ny faneken'ny olona iray hiaraka amin'ny vondron'olona tahaka ny hoe nandeha niaraka tokoa ary nijoro niaraka tamin'izany vondrona. DH: "manao izay tian'ny vahoaka" na ''manaiky ny maro"
manao fihetsika tsy ara-dalàna izay mahatonga ny fanapahana tsy rariny
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
"Aza manao zavatra izay mahatonga vokatra tsy ara-dalàna maloto" izay mahatonga na fahafahan'ny olo-meloka na fanasaziana ny tsy manan-tsiny.
Amin'io andianteny io, ny hoe "izany" dia manondro rariny madio, fanitsiana marina.
"fifamaliana"
"Hanameloka ny ratsy fanahy Aho" na "Tsy hiteny Aho fa tsy manan-tsiny ireo olona ratsy fanahy"
Eto ny hoe "kolikoly" dia soritana toy ny hoe olona. DH: "kolikoly manala baraka...manimba"
"karazam-piainan'ny vahiny izay mitoetra an-tany hafa"
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
"vokatry ny sakafo avy amin'ny zava-maniry"
"tsy voavoly" na "tsy voasa"
"amin'ny toetrany voajanahary" na "tsy mbola napiasaina tamin'ny famokarana"
Afaka hihinana izay sakafo maniry ho azy any an-tsaha izay tsy nambolena ny mahantra. Io dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "mba ahafahan'ny mahantra eo aminareo mamokatra sy mihinana izay sakafo maniry ho azy any an-tsaha"
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
"Ataovy" na "Ankatoavy"
"ireo biby ampiasainao"
DH: "izay vahiny dia afaka hitsahatra sy hahazo hery indray"
Eto ny hoe "anarana" dia sarintenin'ny fivavahana amin'andriamani-kafa. DH: "Aza mivavaka amin'ireo andriamani-kafa"
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
Io dia anaran'ny volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Abiba dia mandritra ny tapany farany amin'ny Martsa sy tapany voalohany amin'ny Aprily amin'ny tetiandro Tandrefana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:3.
Eto ny sarinteny dia nampiasaina mba hanindry fa tsy maintsy manolotra fanatitra mitohy amin'i Yaveh ireo Israelita. DH: "tongava eo Amiko tsy miaraka amin'ny fanatitra araka ny tokony ho izy" na "mitondrà fanatitra ho Ahy lalandava"
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
"Tsy maintsy manome voninahitra" na "Tsy maintsy mankalaza"
Io firavoravoana io dia nankalaza ny famokarana farany ny vokatra rehetra mandritra ny taona.
Eto ny hoe "miseho" dia midika hoe miangona mba hanompo. DH: "Tsy maintsy miangona mba hanompo Ahy ny lehilahy rehetra"
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
Ny sabora dia nodorana ho fanatitra ho an'i Yaveh ary tsy mbola nohanina.
"ny vokatra tsara sy voalohany amin'ny famokarana"
Io dia fomba famokarana amin'ny fomba mahagaga teo amin'ireo Kananita, izay tsy ahazoan'ireo Israelita alalana handray anjara.
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
"Henoy izy"
"Raha mihantsy azy ianao, dia tsy hamela izy"
Eto ny hoe "anarana" dia manondro ny fahefan'Andriamanitra. DH: "Manana ny fahefako izy"
Eto ny hoe "feo" dia manondro izay lazain'ny anjely. DH: "Raha mankatoa izay lazainy ianao"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary ampiasaina hanindriana.
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
Tsy tokony hiaina toy ny vahoaka izay manompo andriamani-kafa ireo Israelita. DH: "Aza...miaina tahaka ny olona izay manompo ireo andriamanitra ireo"
Io fampisainana io dia midika hoe sakafo na zava-pisotro. DH: "Hitahy ny sakafonao sy ny zava-pisotronao Aho" na "Hitahy anao amin'ny fanomezana sakafo sy zava-pisotro Aho"
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
DH: "Ny vehivavy rehetra dia ho bevohoka avokoa ary hiteraka zaza salama"
mifarana aloha loatra ny vohokany ary tsy ampoizina
biby kely manidina izay afaka manaikitra olona ary mahatonga fanaintainana
"satria tsy misy olona hitoetra ao amin'ilay tany"
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
Izany dia midika fa ny fanompoana andriamani-kafa dia hitarika ny vahoakan'Israely amin'ny fahapotehana tokoa toy ny hoe biby tratra ao amin'ny fandrika izy ireo.
1 Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: "Miakara aty amiko—ianao, Arona, Nadada, Abiho sy fito-polo amin'ny loholon'ny Israely, ary manompoa ahy eny lavitra eny. 2 Mosesy irery no afaka manakaiky Ahy. Aoka tsy hanakaiky ireo hafa, ary tsy mahazo miakatra miaraka aminy ny vahoaka. 3 Nandeha i Mosesy ary nilaza tamin'ireo vahoaka ireo teny sy ireo didin'i Yaveh rehetra. Ny vahoaka rehetra namaly azy tamin'ny feo iray ary niteny hoe: "Hataonay ireo teny rehetra izay nolazain'i Yaveh." 4 Ary mosesy nandray an-tsoratra ireo tenin'i Yaveh rehetra. Vao maraina, Mosesy dia nanorina alitara teo am-pototry ny tendrombohitra ary nandamina tsangam-bato roa ambin'ny folo, ireo vato dia mba hanehoana ireo foko roa ambin'ny folon'ny Israely. 5 Nandefa zatovo lahy Israelita maromaro izy hanolotra ny fanatitra dorana ary nanao sorona fanatitra omby ho an'i Yaveh ho fiombonana aminy. 6 Nalain'i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony tao anaty kovetabe izany; ary ny antsasany kosa nafafiny teo amin'ny alitara. 7 Nalainy ny bokin'ny fanekem-pihavanana ary novakiany mafy tamin'ireo vahoaka. Hoy izy ireo hoe: "Hataonay ireo rehetra izay nolazain'i Yaveh. Ho mpankatoa izahay." 8 Ary nalain'i Mosesy ny rà ka nafafiny teo amin'ny vahoaka. Hoy izy hoe: "Ity no ràn'ny fanekem-pihavanana izay nataon'i Yaveh taminareo amin'ny fanomezana izao fampanantenana miaraka amin'izao teny rehetra izao." 9 Dia niakatra ny tendrombohitra i Mosesy, Arona, Nadaba, Abiho, ary fito-polo tamin'ireo loholon'ny israely. 10 Nahita an'Andriamanitr'Israely izy ireo. Teo ambany tongony nisy rarivato vita avy amin'ny vato safira, ary nazava toy ny lanitra mihitsy izany. 11 Andriamanitra tsy naninjitra tanana tamim-pahatezerana tamin'ireo mpitarika ny Israelita. Nahita an'Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nitsotro. 12 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Miakara eto amiko eto amin'ny tendrombohitra ka mitoera eto. Homeko anao ireo vato fisaka sy ny lalàna ary ireo didy izay efa nosoratako, mba hampianarinao azy ireo." 13 Ary Mosesy niainga niaraka tamin'i Josoa mpanampiny ary niakatra tany an-tendrombohitr'Andriamanitra. 14 Niteny tamin'ireo loholona Mosesy hoe: "Mijanòna eto ary miandrasa anay mandra-piverinay eto aminareo. Arona sy Hora dia miaraka aminareo. Raha misy olona manana fifandirana, avelao izy handeha any amin'izy ireo." 15 Dia nandeha niakatra an-tendrombohitra i Mosesy, ary ny rahona nanarona izany. 16 Ny voninahitr'i Yaveh nitoetra tamin'ny tendrombohitra Sinay, ary nanarona izany henemana ny rahona. Tamin'ny andro fahafito dia niantso an'i Mosesy avy tao anaty rahona Izy. 17 Ny fahitana ny voninahitr'i Yaveh dia toy ny afo mandevona ny tampon'ny tendrombohitra teo imason'ireo Israelita. 18 Niditra tao anatin'ny rahona i Mosesy ka niakatra tany an-tendrombohitra. Teny an-tendrombohitra nanditry ny efa-polo andro sy efa-polo alina izy.
Ireo dia anaran'olona. Jereo ny nandikanao ireo anarana ireo ao amin'ny 6:23.
"7O amin'ireo loholon'ny Israely"
Io dia fomba fiteny izay midika fa nanaiky tanteraka ny vahoaka. DH: "miaraka" na ''manaiky"
"fototry ny tendrombohitra" na "vodin'ny tendrombohitra"
Nangonin'i Mosesy ny antsasaky ny rà tao anaty kovetabe mba hanosorana izany amin'ny olona ao amin'ny 24:7. Io dia hanaiky ny fandraisan'ny olona anjara amin'ny fanekena eo amin'ny vahoakan'Israely sy Andriamanitra.
Eto ny alitara dia manondro an'Andriamanitra. Io dia hanaiky ny fandraisan'ny olona anjara amin'ny fanekena eo amin'ny vahoakan'Israely sy Andriamanitra.
DH: "Hankatoa ny zavatra rehetra izahay" (UDB)
Io dia manondro ny rà izay nataon'i Mosesy tao anatin'ireo vilia jobo. DH: "Dia nalain'i Mosesy ny rà izay tao anaty vilia jobo" (UDB)
Ireo dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao ireo anaranao ao amin'ny 6:23.
Io dia miresaka an'Andriamanitra toy ny hoe manan-tongotr'olombelona Izy.
"rarivato natao tamin'ny vatomanga antsoina hoe safira"
tany mafy handehanana sy hitondrana
Io dia vatosoa izay miloko manga.
Io dia fampitahana. DH: "ny hoe mazava toy ny lanitra dia rehefa tsy misy rahona" (UDB)
Io dia midika fa tsy nandratra ireo mpitarika Andriamanitra. DH: "Tsy nandratra ireo mpitarika Israelita Andriamanitra"
Nosoratan'Andriamanitra teo amin'ireo vato fisaka ny lalàna sy ireo didy. Io dia afaka ambara mazava. DH: "vato fisaka roa izay nanoratako ireo lalàko rehetra" (UDB)
Nosoratan'Andriamanitra teo amin'ireo vato fisaka ny lalàna sy ireo didy. Io dia afaka ambara mazava. DH: "vato voarary roa izay nanoratako ireo lalàko rehetra" (UDB)
"miandry an'i Josoa sy izaho"
Hora dia lehilahy izay naman'i Mosesy sy Arona. Jereo ny nandikanao ireo anarana ireo ao amin'ny 17:8.
Io dia fahazavana mamirapiratry ny fanatrehan'Andriamanitra. DH:"Ny fahazavana mamirapiratra dia maneho ny fanatrehan'Andriamanitra"
Io dia midika fa ny voninahitr'i Yaveh dia lehibe ary toy ny hoe mandoro tahaka ny afo. DH: "tahaka ny afo lehibe mandoro"
Eto ny hoe "maso'' dia manondro ny eritreritr'izy ireo momba izay hitan'izy ireo. DH: "tamin'ireo Israelita"
"40 andro sy 40 alina"
1 Hoy i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: 2 "Lazao ireo Israelita mba haka fanatitra ho Ahy avy amin'ny olona rehetra izay namporisihan'ny fony. Ary tsy maintsy raisinareo ho Ahy ireo fanatitra ireo. 3 Ireto avy ny fanatitra tsy maintsy raisinareo avy amin'izy ireo: volamena, volafotsy, ary varahina; 4 kofehy manga, volomparasy ary mena; rongony fotsy madinika; volon'osy, 5 hoditr'ondry lahy miloko mena sy hoditra lambon-driaka; hazo akasia; 6 diloilo ho an'ny fanaovan-jiro masina; zava-manitra ho an'ny diloilo fanosorana ary ditin-kazo manim-pofona; 7 vato beryla sy vato sarobidy hafa mba hatao amin'ny efoda sy amin'ny saron-tratra. 8 Aoka izy ireo hanamboatra fitoerana masina ho Ahy mba hahafahako miaina eo amin'izy ireo. 9 Tsy maintsy ataonareo araka izay ho asehoko anareo ao amin'ny drafitra ny tabernakely sy ireo fitaovana rehetra. 10 Asaivo manao fiara vita amin'ny hazo akasia izy ireo. Tsy mainsty roa hakiho sy tapany ny halavany; iray hakiho sy tapany ny sakany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavony. 11 Tsy maintsy saronanareo amin'ny volamena tsara ny ao anatiny sy ny ivelany, ary asio sisim-bolamena manodidina ny tampony. 12 Manefe mason-drojo volamena efatra hatao amin'izany, ary apetaho amin'ireo tongotra efatry ny fiara, mason-drojo roa amin'ny ilany, ary mason-drojo roa amin'ny ilany iray hafa. 13 Manaova bao vita amin'ny hazo akasia ary sarony volamena izany. 14 Ampidiro eo amin'ireo mason-drojo eo amin'ny sisin'ny fiara ireo bao, mba hilanjana ilay fiara. 15 Ireo bao dia tsy maintsy apetraka eo amin'ny mason-drojon'ny fiara; tsy azo esorina eo amin'izany ireo. 16 Apetraho ao amin'lay fiara ireo didin'ny fanekena izay homeko anareo. 17 Manaova sarom-panavotana vita amin'ny volamena madio. Roa hakiho sy tapany ny halavany, ary iray hakiho sy tapany ny sakany. 18 Manaova kerobima volamena voatefy roa ho eo amin'ny sakan'ilay sarom-panavoatana. 19 Manaova kerobima iray ho eo amin'ny sakan'ilay sarom-panavotana, ary kerobima iray hafa ho an'ny sakany iray hafa. Ataovy iray ihany amin'ilay sarom-panavotana ireo. 20 Ireo kerobima dia tsy maintsy mamelatra ny elatr'izy ireo miakatra ka manaloka ny sarom-panavotana amin'ireo. Tsy maintsy mifanatrika ireo kerombima ary mijery mankany afovoan'ilay sarom-panavotana. 21 Ataovy eo an-tampon'ilay fiara ny sarom-panavotana ary apetaho eo amin'ilay fiara ireo lalàn'ny fanekena izay omeko anao. 22 Ao amin'ilay fiara no hihaonako aminao. Eo ambonin'ilay sarom-panavotana no toerana hiresahako aminao. Eo anelanelan'ireo kerobima roa eo ambonin'ny fiaran'ny vavolombelona no hiresahako aminao mahakasika ireo didy rehetra izay homeko anao ho an'ireo Israelita. 23 Manaova latabatra vita amin'ny hazo akasia. Roa hakiho ny halavany; iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy tapany ny hahavony. 24 Sarony volamena madio izany ary rakofy volamena ny manodidina ny tampony. 25 Manaova rafitra iray vodivoam-pelatanana manodidina izany, ary asio sisim-bolamena ny rafitra manodidina. 26 Manamboara mason-drojo volamena efatra ho an'izany ary fatory eo amin'ny zorony efatra, izay misy ny tongony efatra. 27 Tsy maintsy fatorana amin'ilay rafitra ireo masondrojo mba hanomezana toerana ho an'ireo bao, mba hilanjana ilay latabatra. 28 Ataovy amin'ny hazo akasia ireo bao ary sarony amin'ny volamena izany mba hahafahana milanja ilay latabatra miaraka amin'ireo. 29 Ataovy ireo lovia, sotro, fitoeran-divay, ary lovia boribory mba ho ampiasaina hampidinana ireo zava-pisotro fanatitra. Ataovy amin'ny volamena madio izany. 30 Asio mofon'ny fanatrehana mandrakariva eo anoloako eo amin'ny latabatra. 31 Manaova fitoeran-jiro vita amin'ny volamena voatefy sy tsy mifangaro. Asio ny fototra sy ny tahony ilay fitoeran-jiro. Ataovy mitambatra ho iray ireo kapoakany, ireo kiboriny, ary ireo voninkazony. 32 Tsy maintsy misy sampany enina mivoaka avy amin'ny andaniny avy—tsy maintsy misy sampany telo mivoaka avy amin'ny andaniny iray, ary sampany telo amin'ilay fitoeran-jiro mivoaka avy amin'ny andaniny iray hafa. 33 Ny sampana voalohany dia tsy maintsy manana kapoaka telo natao tahaka ny amandy mamelana, miaraka amin'ny kibory sy voninkazo, ary kapoaka telo natao tahaka ny amandy mamelana amin'ny sampany iray hafa, miaraka amin'ny kibory sy voninkazo. Tsy maintsy mitovy ny sampana enina rehetra mivoaka amin'ilay fanaovan-jiro. 34 Amin'ilay fanaovan-jiro, eo afovoan'ny tahony, dia tsy maintsy misy kapoaka efatra natao tahaka ny amandy mamelana, miaraka amin'ireo kibory sy voninkazo. 35 Tsy maintsy misy kibory iray eo ambanin'ny sampany roa voalohany—akambana ho iray amin'izany, ary kibory iray eo ambanin'ireo sampana roa faharoa—nakambana ho iray amin'izany ihany koa. Mitovy amin'izany dia tsy maintsy misy kibory iray eo ambanin'ny sampana roa fahatelo, nakambana ho iray amin'izany. Tokony hitovy ireo sampana enina rehetra mivoaka amin'ny fanaovan-jiro. 36 Ny kibory sy sampan'izy ireo dia tsy maintsy mitambatra ho iray amin'izany, notefena tamin'ny volamena madio. 37 Tsy maintsy manao ilay fanaovan-jiro sy ireo jiro fito ao aminy ianareo, ka hametraka ireo jiro amin'ireo mba hanome hazavana avy amin'izany. 38 Ary ny hetin-jiro sy ireo fitoeran-davenon'ireo dia tsy maintsy atao amin'ny volamena madio. 39 Mampiasà volamena madio talenta iray mba hanamboarana ilay fanaovan-jiro sy ireo fitaovany. 40 Kendreo mba ho atao araka ny endrika izay hampisehoana anao any an-tendrombohitra izany.
Io dia fomba fiteny izay manondro fanirian'olona mba hanome fanatitra. DH: "izay te hanome fanatitra"
Ny teny hoe "-nareo" dia manondro an'i Mosesy sy ireo mpitarika.
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
Ireo mety ho dikany dia 1) "fitaovana izay mena midorehitra, volomparasy, ary mena jaky, " mety hoe kofehy volon'ondry, na 2) "manga, volomparasy ary jaky" mba handokoana rongony fotsy.
"midorehitra"
biby lehibe izay miaina any an-dranomasina sy miaina zava-maniry
zava-maniry maina izay totoin'ny olona ho vovoka sy asiana diloilo na sakafo mba hanome hanitra na tsiro tsara
vato sarobidy izay misy sosona fotsy sy maintsy, mena na volontany.
DH: "vato sarobidy hataon'ny olona"
"vatosoa sarobidy"
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
Eto ireo teny ireo dia midika zavatra mitovy.
Eto ny hoe "-nareo" dia manondro an'i Mosesy sy ny vahoakan'Israely.
"aneho anareo ao amin'ny sary" na "aneho anareo ao amin'ny modely." Eto ny hoe "-nao" dia manondro an'i Mosesy.
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
"2.5 hakiho...1.5 hakiho"
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
Ny fandrendrehana dia dingana izay hanempoana volamena, nararaka tao amin'ny lasitra izay miendrika rojo, ary avy eo namafisina.
"mba ahafahanareo milanja ny fiara"
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
Io dia sarony izay mipetraka eo ambonin'ny fiara izay anaovana ny fanati-panavotana.
"2.5 hakiho...1.5 hakiho"
"volamena nokapohina"
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
Io dia sarony izay mipetraka eo ambonin'ny fiara izay anaovana ny fanati-panavotana. Jereo ny nandikanao ao amin'ny 25:15.
DH: "Tsy maintsy manao ireo"
Eto ny hoe "ireo" dia manondro an'i Mosesy sy ny vahoakan'Israely.
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
"Hihaona aminao ao amin'ny fiara Aho." Ao amin'ny teny hoe "aminao" dia manondro an'i Mosesy.
Izany dia sarony izay mipetraka eo ambonin'ny fiara izay nanaovana ny fanati-panavotana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:15.
Manohy miresaka amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka i Yaveh.
"2 hakiho...1 hakiho...1.5 hakiho"
Manohy miresaka amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka i Yaveh.
fandrefesana 7 ka hatramin'ny 8 santimetatra
"rafitra ho an'ny latabatra"
"ireo ranjo dia"
DH: ''Tsy maintsy mamatotra ireo rojo ianao"
"mba ahafahanareo milanja
Manohy miresaka amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka i Yaveh.
DH: "mba ahafahanao milanja ny latabatra miaraka amin'ireo"
DH: "mba ahafahanao mampiasa iroe handrarahana ny fanatitra sotroina"
Io mofo io dia maneho ny fanatrehan'Andriamanitra.
"volamena voakapoka". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:15.
DH: "Manaova fitoeran-jiro"
DH: "Ataovy mitambatra amin'ny fitoeran-jiro avokoa ny kapoakany, ireo kiboriny, ary ireo voninkazony"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh. Manoritsoritra ny fitoeran-jiro i Yaveh. (Jereo ny 25:31)
voninkazo fotsy na mavokely izay misy raviny dimy
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh. Manoritsoritra ny fitoeran-jiro i Yaveh. (Jereo ny 25:31)
DH: "tsy maintsy akambanao ho iray amin'izany ireo"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"ka nanome hazavana avy tamin'izany ireo"
DH: "Ataovy amin'ny volamena tsy mifangaro ny hetin-jiro sy ny fitoeran-davenon'ireo"
Ny talenta iray dia milanja 34 kilao.
"ireo hetin-jiro sy ireo fitoeran-davenona
DH: "Asehoko eo an-tendrombohitra ianao"
1 Aoka hataonao amin'ny lamba folo vita amin'ny rongony fotsy madinika sy manga, volomparasy, ary volon'ondry jaky miaraka amin'ireo soratry ny kerobima ny tabernakely. Izany dia ho asan'ny mpanao asa tanana tena mahay. 2 Ny halavan'ny lamba tsirairay dia tsy maintsy roa ambin'ny folo hakiho, ny sakany efatra hakiho. Ny lamba rehetra dia tsy maintsy mitovy habe. 3 Tsy maintsy havitrana ny lamba dimy, ary ny lamba dimy hafa ihany koa dia tsy maintsy avitrana. 4 Manaova tadivavarana manga manaraka ny sisiny ivelan'ny rambon'ny lamba navitrana iray ianao. Toy izany koa, no tsy maintsy anaovanao mitovy manaraka ny sisiny ivelan'ny moron'ny lamba amin'ny vitrana faharoa. 5 Aoka hanao tadivavarana dimampolo eo amin'ny lamba voalohany ianao, ary manaova tadivavarana dimampolo eo amin'ny moron'ny lamba amin'ny vitrana faharoa. Ataovy izany mba hifanatrika ireo tadivavarana. 6 Manaova farango volamena dimampolo ianao ary akambano ireo lamba miaraka amin'ireo mba ho lasa iray ny tabernakely. 7 Aoka hanao lamba volon'osy ho lay manerana ny tabernakely ianao. Manaova iraika ambin'ny folo amin'ireo lamba ireo ianao. 8 Ny halavan'ny lamba tsirairay dia tsy maintsy telopolo hakiho, ary ny sakan'ny lamba tsirairay dia tsy maintsy efatra hakiho. Ny tsirairay amin'ireo lamba iraika ambin'ny folo dia tsy maintsy mitovy habe. 9 Manakambàna lamba dimy sy lamba enina hafa miaraka. Aforetonao ny lamba enina manoloana ny lay. 10 Manaova tadivavarana dimampolo eo amin'ny faran'ny lamba amin'ny vitrana iray, ary tadivavarana dimampolo eo amin'ny sisin'ny faran'ny lamba izay mikambana amin'ny vitrana faharoa. 11 Manaova farango varahina dimampolo ianao ary apetrahonao anatin'ny tadivavarana ireo. Dia anakambana ny lay miaraka ianao mba ho iray ihany izany. 12 Ny ambin'ny antsasaky ny lamba, izany hoe, ny ambin'ny ampahiny mihoatra amin'ireo lamban'ny lay, dia tsy maintsy ahantona ao an-damosin'ny tabernakely. 13 Tsy maintsy misy iray hakiho amin'ny lamba eo amin'ny andaniny, ary iray hakiho amin'ny lamba eo amin'ny ankilany—izay ambin'ny halavan'ny lain'ny lamba dia tsy maintsy ahantona amin'ireo lafin'ny tabernakely amin'ny andaniny sy amin'ny ankilany, mba handrakotra izany. 14 Manaova fandrakofana vita amin'ny hoditr'ondrilahy nolokoina mena ho an'ny tabernakely, ary fandrakofana iray hafa vita amin'ny hoditra tsara mba ho eo ambonin'izany. 15 Manaova zana-kazo mahitsy amin'ny hazo akasia ho an'ny tabernakely. 16 Ny halavan'ny zana-kazo tsirairay dia tsy maintsy folo hakiho, ary ny sakan'izany dia tsy maintsy iray sy sasany hakiho. 17 Tsy maintsy misy fihantonana hazo roa amin'ny zana-kazo tsirairay hanakambanana ireo zana-kazo. Hanao ireo zana-kazon'ny tabernakely rehetra toy izany ianao. 18 Rehefa manao ireo zana-kazo ho an'ny tabernakely ianao, dia manaova zana-kazo roapolo ho an'ny lafiny atsimo. 19 Manaova faladiany volafotsy efapolo ao ambanin'ireo zanakazo roapolo ianao. Tsy maintsy misy faladiany roa ambanin'ny zana-kazo voalohany mba ho faladia roan'izany, ary faladiany roa ihany koa ambanin'ireo zanakazo hafa tsirairay avy ho faladia roan'ireo. 20 Ho an'ny lafiny faharoan'ny tabernakely, ao amin'ny lafiny avaratra, manaova zana-kazo roapolo 21 sy ny faladia volafotsin'ireo efapolo ianao. Tsy maintsy misy faladiany roa ambanin'ny zana-kazo voalohany, faladiany roa ambanin'ny zana-kazo manaraka, ary dia toy izany hatrany. 22 Ho an'ny lafiny ambadiky ny tabernakely ao amin'ny lafiny andrefana, manaova zana-kazo enina ianao. 23 Manaova zana-kazo roa ho an'ny zoro an-damosin'ny tabernakely. 24 Ireo zana-kazo ireo dia tsy maintsy sarahina any amin'ny ambany, fa akambana any amin'ny tampony eo amin'ny mason-drojo iray ihany. Tsy maintsy toy izany ho an'ireo zoro roa ao an-damosina. 25 Tsy maintsy misy zana-kazo valo, miaraka amin'ireo faladiany volafotsy. Tsy maintsy misy fototra enina ambin'ny folo ny fitambarany, faladiany roa ambanin'ny zana-kazo voalohany, faladiany roa ambanin'ny zana-kazo manaraka, ary toy izany hatrany. 26 Manaova bara hazo Akasia ianao—dimy ho an'ireo zana-kazo amin'ny andanin'ny tabernakely, 27 bara dimy ho an'ireo zanakazo amin'ny ankilan'ny tabernakely, ary bara dimy ho an'ireo zana-kazo amin'ny lafiny an-damosin'ny tabernakely eo andrefana. 28 Ny bara eo afovoan'ireo zana-kazo, izay, antenantenany ambony, dia tsy maintsy mahatratra ny farany avy. 29 Rakofanao amin'ny volamena ireo zana-kazo. Ataonao ho volamena ny mason-drojon'ireo, mba hampiasaina ho fihazonana ny bara ireo, ary rakofanao amin'ny volamena ireo bara. 30 Manangana ny tabernakely amin'ny fanarahana ny drafitra naseho anao teny an-tendrombohitra. 31 Manaova lamba manga, volomparasy, ary volon'ondry jaky, sy rongony fotsy madinika, miaraka amin'ny soratra Kerobima, asan'ny mpiasa tena mahay. 32 Ahantony eo amin'ireo andry hazo akasia efatra voarakotra volamena izany. Ireo andry ireo dia tsy maintsy manana fihantonana volamena voapetaka eo amin'ireo faladiany volafotsy efatra. 33 Ahantony ambanin'ny farango ny lamba, ary ampidironao ao ny fiaran'ny vavolombelona. Ny lamba dia natao hanasaraka ny toerana masina amin'ny toerana masina indrindra. 34 Apetrahonao eo amin'ny fiaran'ny vavolombelona ny sarom-panavotana, izay ao amin'ny toerana masina indrindra. 35 Apetrahonao ivelan'ny lamba ny latabatra. Apetrahonao tandrifin'ny latabatra eo amin'ny lafiny atsimon'ny tabernakely ny fanaovan-jiro. Ny latabatra dia tsy maintsy ao amin'ny lafiny avaratra. 36 Manaova fefy lamba ho fidirana amin'ny lay ianao. Ataonao amin'ny manga, volomparasy, sy mena ary rongony fotsy madinika voatenona izany, izay asan'ny mpanao peta-kofehy. 37 Ho an'ny fefy lamba, manaova andry akasia dimy ary mandrakofa ireo amin'ny volamena. Ny farangon'ireo dia tsy maintsy volamena, mandrendreha faladiany varahina dimy ho an'ireo ianao.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh. ( Jereo ny 25:1)
Miresaka amin'i Mosesy i Yaveh. Nanantena an'i Mosesy hiteny amin'ny olon-kafa mba hanao ny asa marina tokoa i Yaveh, nefa i Mosesy dia ho tompon'andraikitra iray hijery fa vita tsara ny asa. "Asio ataon'ny mpanao asa tanana"
Ireo dia tapaka lamba tenona lehibe, mavesatra izay nampiasaina mba hanaovana fandrakofana sy fizarana ireo rindrin'ny tabernakely.
volon'ondry nolokoina mena midorehitra
olona izay tena mahay manamboatra zavatra amin'ny tanana
"28 hakiho...4 hakiho". Ny hakiho iray dia 46 santimetatra.
DH: "Manjaira lamba dimy hikambana mba ho vitrana iray, ary manjaira lamba dimy hikambana mba ho vitrana iray hafa"
Ny farango dia tafiditra ao anatin'ireo tadivavarana mba hihazonana ireo lamba miaraka.
"vitrana iray natao tamin'ny lamba dimy"
"ny vitrana faharoa natao tamin'ny lamba dimy"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"11...30...4"
Ny iray hakiho dia 46 santimetatra.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Ny farango dia tafiditra ao anatin'ireo tadivavarana mba hihazonana ireo lamba miaraka. Jereo ny nandikanao ireo ao amin'ny 26:4.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Ny iray hakiho dia 46 santimetatra.
"voaloko"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Io dia manondro ireo zana-kazo na takelaka izay nataon'izy ireo mba hampikambanana ireo tapa-kazo.
"10 hakiho...1.5 hakiho"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Ireo dia vongam-bolafotsy izay misy fampidirana ao amin'izany mba hampipetrahana ny takelaka amin'ny toerany.
Ny faladia volafotsy dia tsy mampikasoka ny takela-by amin'ny tany.
DH: "Asio faladiany roa"
Io dia midika fa izay nolazaina momba ireo takelaka roa dia tokony hatao hanaovana ireo takelaka ambiny. DH: "ary ireo faladiany roa amin'ireo ambin'ny takelaka tsirairay avy"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
DH: "Saraho any amin'ny ambany ireo zana-kazo ireo, nefa akambano eo amin'ny tendrony"
Ireo dia vongam-bolafotsy izay misy bara mba hampipetrahana tsara ny zana-kazo amin'ny toerany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:19.
"ny isany manontolo"
Izany dia midika fa izay nolazaina momba ireo zana-kazo roa dia tokony hanaovana ireo zana-kazo ambiny. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:19. DH: "ary ireo faladiany roa amin'ireo zana-kazo ambiny tsirairay avy"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny fomba hanamboarana ny tabernakely i Yaveh.
Ireo dia andry fanohanana mitsivalana izay tsy mampihevaheva ny rafitra.
Ny anoloan'ny tabernakely manatrika ny atsinanana.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny fomba hanamboarana ny tabernakely i Yaveh.
"izay hihazona ireo bara" na "satria hihazona ny bara ireo"
Ireo dia andry fanohanana mitsivalana izay tsy mampihevaheva ny rafitra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:6.
DH: "izay efa nasehoko anao teto amin'ity tendrombohitra ity" (UDB)
Manohy miteny amin'i Mosesy ny fomba hanamboarana ny tabernakely i Yaveh.
Miresaka amin'i Mosesy i Yaveh. Nanantena an'i Mosesy hiteny amin'ny olon-kafa mba hanao ny asa marina tokoa i Yaveh, nefa i Mosesy dia ho tompon'andraikitra iray hijery fa vita tsara ny asa. "Asio ataon'ny mpanao asa tanana"
Ireo farango dia tafiditra ao amin'ireo tadivavarana mba hihazonana ireo lamba miaraka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:4.
Ny fiaran'ny vavolombelona dia tratra izay misy ireo didy. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "tsy maintsy ampidirinao ny tratra misy ireo didy"
DH: "Ny lamba dia hanasaraka ny toerana masina" (UDB)
Manohy miteny amin'i Mosesy ny fomba hanamboarana ny tabernakely i Yaveh.
Io dia sarony izay mipetraka eo ambonin'ny fiara izay nanaovana ny fanati-panavotana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:15.
"eo amin'ny tratra izay misy ireo didy"
Io dia latabatra izay mihazona ny mofo izay manondro ny fanatrehan'Andriamanitra. DH: "Apetraho amin'ny lafiny avaratra ny latabatra ho an'ny mofon'ny fanatrehan'Andriamanitra"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny fomba hanamboarana ny tabernakely i Yaveh.
Io dia lamba lehibe natao tamin'ny akanjo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "kofehy izay nolokoina manga, volomparasy, ary jaky", mety ho kohefy volon'ondry, na 2) "manga, volomparasy, ary nolokoina mena" mba handokoana ny rongony madinika. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:3.
"rongony fotsy madinika voatenona tsara". Io dia akanjo natao tamin'ny rongony fotsy madinika mba hotenonin'ny olona hikambana mba hanaovana kofehy mafy.
"olona izay manjaitra sary amin'ny akanjo" na "olona izay manao peta-kofehy"
1 Ataovy amin'ny hazo akasia ny alitara, dimy hakiho ny halavany ary dimy hakiho ny sakany. Ho efa-joro ny alitara ary telo hakiho ny haavony. 2 Asio tandroka maranitra tahaka ny tandrok'omby ny zorony efatra. Hatambatra ho iray amin'ny alitara ireo tandroka, ary petaho takela-barahina ireo. 3 Manamboara fitaovana ho an'ny alitara: dia vilanin-davenona, ary koa fandraofana, koveta lehibe, sotro rovitra, ary vilany fitondrana afo. Varahina avokoa no hanaovanao ireo fitaovana rehetra ireo. 4 Manamboara makarakara ho an'ny alitara, harato varahina. Manamboara mason-drojo varahina ho an'ireo zoro efatry ny makarakara. 5 Ataovy eo ambanin'ny rindrin'ny alitara ny makarakara, avy eo antenantenany hatrany ambany. 6 Manaova bao ho an'ny alitara, bao vita amin'ny hazo akasia, ary rakofy amin'ny varahina ireo. 7 Tsy maintsy atao anaty mason-drojo ny bao, ary ny bao dia ho eo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara, mba hilanjana azy. 8 Ataovy poakaty ny alitara, amin'ny hazo fisaka. Ataovy araka izay naseho anao tao an-tendrombohitra izany. 9 Manaova kianja ho an'ny tabernakely. Eo amin'ny lafiny atsimon'ny kianja dia hisy fefy lamba, fefy lamba rongony fotsy madinika voatenona mirefy zato hakiho. 10 Asio andry roapolo ireo fefy lamba, miaraka amin'ny faladia varahina roapolo. Hisy farango ihany koa apetaka eo amin'ireo andry, ary koa fihantonana volafotsy. 11 Ho tahaka izany koa amin'ny lafiny avaratra, hisy fefy lamba mirefy zato hakiho misy andry roapolo, faladia varahina roapolo, farango apetaka eo amin'ireo andry, ary fihantonana volafotsy. 12 Amin'ny lafiny andrefana amin'ny kianja dia hisy lamba mirefy dimampolo hakiho ny halavany. Dia manaova andry folo, ary faladia folo. 13 Ataovy dimam-polo hakiho ihany koa ny halavan'ny kianja any amin'ny lafiny atsinanana. 14 Ny fefy lamba amin'ny lafiny iray amin'ny fidirana dia tsy maintsy atao dimy ambin'ny folo hakiho ny halavany. Tsy maintsy miaraka amin'ny andry telo sy faladia telo ireo. 15 Eo amin'ny lafiny iray koa dia hisy fefy lamba mirefy dimy ambiny folo hakiho ny halavany. Tsy maintsy miaraka amin'ireo andriny telo sy faladiany telo ireo. 16 Lamba mirefy roapolo hakiho no atao vavahadin'ny kianja. Fitaovana manga, volomparasy, ary mena sy rongony fotsy madinika voatenona, asan'ny mpanao peta-kofehy no hanaovana ny lamba. Tsy maintsy miaraka amin'ny andry efatra sy faladia efatra izany. 17 Ny andrin'ny kianja rehetra dia tsy maintsy hasiana fihantonana volafotsy, farango volafotsy, ary faladia varahina. 18 Ho zato hakiho ny halavan'ny kianja, dimam-polo hakiho ny sakany, ary ho dimy hakiho kosa ny haavony miaraka amin'ny fefy lamba rongony fotsy madinika, ary faladia varahina. 19 Ny fitaovana rehetra izay hampiasaina ao amin'ny tabernakely, sy ny fihantonan-day rehetra amin'ny tabernakely sy ny kianja dia tsy maintsy atao amin'ny varahina. 20 Aoka ianao handidy ny vahoakan'i Israely mba hitondra menaka oliva, madio sady nofihazina, ho an'ny jiro mba hirehetan'ireo mandrakariva. 21 Ao an-trano lay fihaonana, eo ivelan'ny lamba izay manoloana ny tabernakely izay misy ny fiaran'ny vavolombelona, no handrehetan'i Arona sy ireo zanany lahy jiro eo anatrehan'i Yaveh, manomboka ny hariva mandra-maraina. Izany fepetra izany dia ho lalàna maharitra manerana ny taranaky ny vahoakan'i Israely.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"2.2 metatra ny halavany amin'ny lafiny tsirairay avy" (UDB)
Tsy maintsy ho efa-joro ary ho 1.3 metatra ny haavony" (UDB)
Ny iray hakiho dia 46 santimetatra.
"Asio fampikambanana izay miendrika tandrok'omby amin'ny zorony efatra"
DH: "Manaova tandroka"
"rakofy ny alitara sy ireo tandroka"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"vilia jobo"
Io dia vilany izay mitana harina mafana avy amin'ny alitara.
Ireo dia fitaovana, lovia, na zavatra izay nampiasaina amin'ny tokony ilana azy.
"Manaova makarakara varahina ho an'ny alitara"
zana-kazo amin'ny bara hihazonana ny kitay rehefa mirehitra
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tokony ataon'ny olona i Yaveh.
Ny makarakara dia napetraka tao anatin'ny alitara. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Manaova makarakara ambanin'ny sisin'ny alitara"
Io dia zanakazo amin'ny bara hihazonana ny kitay rehefa mirehitra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:3.
Ireo bao ireo dia nampiasaina hilanjana ny alitara. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Manaova bao hilanjana ny alitara"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tokony ataon'ny olona i Yaveh.
DH: "Manaova bao ao anatin'ny mason-drojo ary apetraho eo amin'ny lafin'ny alitara tsirairay avy izany mba hilanjana azy"
hazo lava, fisaka izay fisaka noho ny takelaka
DH: "izay nasehoko anao teto amin'ity tendrombohitra ity"
DH: "Mametraha fefy lamba...kianja"
Ny "fefy lamba" dia lamba lava natao tamin'ny akanjo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:36
"rongony fotsy madinika notenonina". Io dia lamba vita tamin'ny rongony fotsy madinika izay tenonin'ny olono mba hanome kofehy mafy
"4.4 metatra"
DH: "Tsy maintsy afatotrao ihany koa ireo andry...andry"
tapa-kazo matanjaka natao mahitsy ary nampiasaina ho fanohanana
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Ho an'ny 27:11 jereo ny fomba nandikanao ireo teny ireo ihany ao amin'ny 27:9.
Io dia afaka ambara ho fandidiana. DH: "manaova fefy lamba"
Io dia afaka ambara ho fandidiana. DH: "manaova lamba"
Io dia afaka ambara ho fandidiana. DH: "manaova andro folo"
Io dia afaka ambara ho fandidiana. DH: "manaova kianja dimapolo hakiho ny halavany"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Ireo dia lamba lava natao tamin'ny ravin-damba. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:36.
Ireo dia tapakazo mafy natao mahitsy ary nampiasaina ho fanohanana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:9.
Ireo dia vongam-bato izay nisy fihantonana ao amin'ireo mba hihazonana ny takelaka amin'ny toerany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:19.
eo ho eo amin'ny fito metatra
Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Manaova lamba roapolo hakiho ny halavany mba ho vavahadin'ny kianja"
DH: "Manaova lamba...rongony fotsy madinika voatenona, asan'ny mpanao peta-kofehy" na "Anamboatra lamba...rongony fotsy madinika voatenona ireo mpanao peta-kofehy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "kofehy izay nolokoina manga, volomparasy, ary jaky", mety ho kofehy volon'ondry, na 2) "manga, volomparasy, ary nolokoina jaky" mba handokoana ny rongony fotsy.
olona izay manjaitra sary eo amin'ny lamba
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"100 hakiho". Ny iray hakiho dia 46 santimetatra.
"rongony fotsy madinika notenonina tsara. Io dia lamba natao tamin'ny kofehy rongony fotsy madinika izay tenonin'ny olona mba hanaovana kofehy mafy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:36.
DH: "ary ataovy varahina ny fihantonan-day rehetra amin'ny tabernakely sy ny kianja"
tapa-kazo na vy maranitra nampiasaina mba hiaro ireo tandroky ny lay amin'ny tany
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Io dia anaran'ny tabernakely hafa.
Io dia tratra izay misy ny takela-bato nanoratan'i Yaveh ireo didiny.
"Takiako mba hanao izany ho lalàna maharitra ny olona"
1 Antsoy ho eo aminao i Arona rahalahinao sy ireo zanany—dia i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara—hiala eo amin'ireo Israelita mba hahafahan'izy ireo manompo Ahy ho mpisorona. 2 Tsy maintsy manamboatra akanjo voatokana ho Ahy, ho an'i Arona rahalahinao ianao. Ho voninahiny sy ho famirapiratana ho azy ireo akanjo ireo. 3 Tsy maintsy miteny amin'ireo olona izay hendry am-po, dia ireo izay nofenoiko ny Fanahin'ny fahendrena ianao, mba hahafahan'izy ireo manamboatra ny akanjon'i Arona hanokanana azy hanompo Ahy ho mpisoroko. 4 Ny akanjo izay tsy maintsy amboarin'izy ireo dia saron-tratra, efoda, akanjo lava, akanjo tenom-boaroy, hamama, ary fehin-kibo. Tsy maintsy manamboatrra ireo akanjo izay hanokanana azy ho Ahy izy ireo. Atao ho an'i Arona rahalahinao sy ireo zanany izany mba hanompoany Ahy ho mpisorona. 5 Tsy maintsy mampiasa rongony fotsy madinika izay volamena, manga, volomparasy, ary jaky mena ireo mpanao tao-zavatra. 6 Aoka izy ireo hanamboatra ny efoda amin'ny volamena, manga, volomparasy ary volon'ondry jaky, ary rongony fotsy madinika voatenona. Tsy maintsy asan'ny mpanao tao-zavatra za-draharaha izany. 7 Aoka hisy saron-tsoroka roa miraikitra eo amin'ireo sisiny ambony. 8 Ny fehin-kibo tenona madinika dia tsy maintsy hatao tahaka ilay efoda; tsy maintsy atao amin'ny ampahan-damba avy amin'ilay efoda, vita amin'ny rongony fotsy madinika izay volamena, manga, volomparasy ary jaky mena izany. 9 Aoka haka vato beryla roa ianao ka handrakitra ny anaran'ireo zanak'Israely roa ambin'ny folo lahy eo amin'izany. 10 Ny enina amin'ny anaran'izy ireo dia tsy maintsy hatao eo amin'ny vato iray, ary ny enina hafa kosa dia eo amin'ny vato iray hafa, samy araka ny filaharan'ny nahaterahany avy. 11 Amin'ny asan'ny mpisokitra vato, tahaka ny sari-sokitra amin'ny tombokase, no tsy maintsy handraketanao ny anaran'ireo zanak'Israely roa ambin'ny folo lahy eo amin'ireo vato anankiroa. Aoka hakambanao amin'ny randram-bolamena ireo vato ireo. 12 Aoka ho ataonao eo amin'ireo saron-tsoroka efoda ireo vato anankiroa, mba ho vato fampatsiahivana an'i Yaveh ny amin'ireo zanak'Israely. Arona no hitondra ny anaran'izy ireo eo an-tsorony eo anatrehan'i Yaveh ho fampatsiahivana Azy. 13 Manaova fitoerana vita amin'ny volamena 14 sy rojo volamena tsy mifangaro roa narandrana tahaka ny tady, ary hafatory eo amin'ireo fitoerana ireo rojo. 15 Manaova saron-tratra ho an'ny fanapahan-kevitra, asan'ny mpiasa za-draharaha, namboarina tahaka ny efoda. Amboary amin'ny volamena, manga, volomparasy ary volon'ondry jaky, sy amin'ny rongony fotsy madinika izany. 16 Tokony ho efa-joro izany. Haforeto roa ireo saron-tratra. Tokony ho iray njehiny ny halavany ary iray njehiny ny velarany. 17 Asio andalam-batosoa sarobidy efatra eo amin'izany. Ny andalana voalohany dia tsy maintsy misy karnelia, topaza, ary emeralda mena. 18 Ny andalana faharoa kosa dia tsy maintsy misy emeralda, safira, ary diamondra. 19 Ny andalana fahatelo dia tsy maintsy asiana opla, agata, ary ametysta. 20 Ny andalana fahefatra dia tsy maintsy misy beryla, sy krysolita ary jaspy. Tsy maintsy hampifanaingenana amin'ny randram-bolamena izany. 21 Halaharo araka ny anaran'ireo zanak'Israely roa ambin'ny folo lahy, samy araka ny anarany avy ireo vato. Tokony ho tahaka ny sari-sokitra eo amin'ny peratra fitomboka ireo, ary ny anarany tsirairay avy dia manambara ny iray amin'ireo foko roa ambin'ny folo. 22 Asio rojo volamena madio voarandrana tahaka ny tady, eo amin'ny saron-tratra. 23 Manamboara mason-drojo volamena roa ho an'ny saron-tratra ary apetao eo amin'ny zoron'ny saron-tratra anankiroa ireo. 24 Apetaho eo amin'ny zoron'ny saron-tratra roa ireo rojom-bolamena roa. 25 Hapetao eo amin'ireo fametraham-bato roa ny horin'ny rojo voarandrana. Avy eo apetaho eo amin'ireo saron-tsoroky ny efoda eo alohany izany. 26 Manamboara mason-drojo volamena roa, ary apetaho eo amin'ny zoron'ny saron-tratra roa hafa izany, eo amin'ny sisiny akaikin'ny zorony anatiny. 27 Manamboara mason-drojo volamena roa hafa ianao, hapetaho eo amin'ny farany ambanin'ireo saron-tsoroka roa eo alohan'ny efoda, manakaiky ny zaitra fikambanany eo ambonin'ny fehin-kibo voatenon'ny efoda izany. 28 Afatory eo amin'ny mason-drojony amin'ny mason-drojon'ny efoda, amin'ny alalan'ny kofehy manga ny saron-tratra, mba hiraiketan'izany eo ambonin'ny fehikibo vaotenon'ny efoda. Natao izany mba tsy hiongotra amin'ny efoda ny saron-tratra. 29 Rehefa mankao amin'ny fitoerana masina i Arona, dia tsy maintsy mitondra ny anaran'ireo vahoakan'Israely eo amin'ny fony ao amin'ny saron-tratra fanapahan-kevitra, mba ho fahatsiarovana maharitra eo anatrehan'i Yaveh. 30 Aoka apetrakao ao amin'ny saron-tratra fanapahan-kevitra ny Orima sy ny Tomima, mba ho eo amin'ny fon'i Arona izany rehefa miditra eo anatrehan'i Yaveh izy. Amin'izany i Arona dia hitondra ny fomba entina manapa-kevitra ho an'ny vahoakan'Israely eo am-pony lalandava eo anatrehan'i Yaveh. 31 Ataovy amin'ny lamba volomparasy tanteraka ny akanjo lavan'i efoda. Tsy maintsy misy fitsofohan'ny loha eo afovoan'izany. 32 Aoka hisy morony voatenona manodidina ny vozon'izany mba tsy hitriatra. Tsy maintsy anjaran'ny mpanenona izany asa izany. 33 Eo amin'ny moron-tongony, dia aoka asianao sarin'apongaben-danitra manga, volomparasy, ary jaky mena manodidina azy. Ireo lakolosin'Andriamanitra dia tsy maintsy mielanelana manodidina izany. 34 Tsy maintsy misy lakolosy volamena dia apongaben-danitra, lakolosy volamena dia apongamben-danitra—ary toy izany hatrany—manodidina ny moron-tongotry ny akanjo lava. 35 Tokony hanaovan'i Arona ilay akanjo lava rehefa manompo izy, mba ho re ny feon'izany rehefa miditra ao amin'ny fitoerana masina eo anatrehan'i Yaveh sy mivoaka izy. Natao izany mba tsy ho faty izy. 36 Manamboara takela-bolamena tsy mifangaro ka hanisy soratra eo amin'izany, tahaka ny soratra eo amin'ny tombokase hoe: "Masina ho an'i Yaveh." 37 Apetaho amin'ny kofehy manga eo anoloan'ny hamama io takela-bolamena io. 38 Aoka ho eo amin'ny tampon-kandrin'i Arona izany; tsy maintsy mitondra izay fahamelohana rehetra mety hiaraka amin'ny fanatitry ny fanomezana masina izay hatokan'ny Israelita ho an'i Yaveh hatrany izy. Aoka ho eo amin'ny tampon-kandriny lalandava ny hamama mba haneken'i Yaveh ny fanatitr'izy ireo. 39 Manamboara akanjo vita amin'ny rongony fotsy madinika ianao, ary manamboara hamama vita amin'ny rongony fotsy madinika. Aoka ihany koa ianao hanao fehin-kibo, izay anjara asan'ny mpanao peta-kofehy. 40 Ho an'ireo zanak'i Arona kosa dia tsy maintsy manamboatra fitafiana, fehin-kibo, ary fehiloha ianao ho voninahitra sy famirapiratan'izy ireo. 41 Aoka ampitafianao i Arona rahalahinao, mbamin'ireo zanany. Tsy maintsy manosotra azy ireo, manamasina azy ireo, ary manokana azy ireo ho Ahy ianao, mba hanompoan'izy ireo Ahy ho mpisorona. 42 Manamboara atin'akanjo vita amin'ny rongony ho azy ireo mba hanaronana ny nofo mitanjak'izy ireo, ary hanarona azy ireo manomboka avy eo amin'ny valahana ka hatreo amin'ny fe. 43 Tsy maintsy manao ireo akanjo ireo i Arona sy ireo zanany rehefa miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana na rehefa manatona ny alitara mba hanompo ao amin'ny fitoerana masina. Tsy maintsy manao izany izy ireo mba tsy ho meloka, raha tsy izany izy ireo dia ho faty. Lalàna maharitra ho an'i Arona sy ireo taranaka mandimby azy izany.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Eto ny hoe "aminao" dia manondro an'i Mosesy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Eto ny hoe "ianao" dia manondro an'i Mosesy.
DH: "akanjo izay hatokanao ho Ahy"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"akanjo misy sary tenona amin'izany"
saron-doha lava natao tamin'ny lamba mivalona manodidina ny loha imbetsaka.
tapa-damba izay anaovan'ny olona manodidina ny valahin'izy ireo na misadika amin'ny tratran'izy ireo
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"rongony fotsy madinika notenonina tsara". Io dia lamba vita tamin'ny kofehy rongony fotsy madinika izay tenon'ny olona miaraka mba hanome kofehy mafy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:36.
olona izay afaka manao zavatra tsara amin'ny tanana
DH: "tsy maintsy akamban'izy ireo izany"
Ireo dia vato sarobidy izay misy sosona fotsy sy mainty, mena na volontany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:3.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"Toy ny fomba isokiran'ny olona tombokase"
olona izay manapaka sary amin'ny fitaovana mafy tahaka ny hazo, vato, na vy
vato voasikotra nampiasaina mba hametaka sary amin'ny tombokase savoka
singam-by izay mihazona vato ao amin'ny efoda
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Ireo dia singam-by izay mihazona vato ao amin'ny efoda tsirairay avy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:10.
"rojom-bolamena tsy mifangaro roa izay narandrana toy ny tady"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"mpiasa za-draharaha hanao izany tahaka ny efoda"
Ny njehy dia 22 santimetatra.
Ireo lokon'ny vato sarobidy voalaza eto dia mety tsy hitovy amin'ireo ao amin'ny UDB.
"vatosoa sarobidy". Jereo ny nandikanao ireo ao amin'ny 25:3.
Ireo dia vato sarobidy.
Io dia vatosoa izay miloko manga. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 24:9.
Io dia vato sarobidy izay misy sosony fotsy sy mainty, mena na volontany. Jereo ny nandikanao ireo ao amin'ny 25:3.
DH: "Tsy maintsy mampifanaingina randram-bolamena"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
DH: "Tsy maintsy alahatrao ireo vato"
Ny fitomboka dia vato voasikotra nampiasaina mba hampipetaka ny sary amin'ny tombokase savoka. Eto ny vato dia natao mifampitaingitaingina teo amin'ny peratra. Jereo ny nandikanao ny hoe "fitomboka" ao amin'ny 28:10.
"rojo izay vita tamin'ny volamena tsy mifangaro ary narandrana tahaka ny tady". Jereo ny nandikanao io andianteny io ihany ao amin'ny 28:13.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"rojo narandrana toy ny tady". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:13.
Ireo dia fametrahana roa izay mamono ireo vato. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "eo amin'ireo fametraham-bato roa izay mamono ireo vato"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Izany dia lamba fehinkibo natao tamin'ny kofehy rongony fotsy tery izay voatenon'ny olona hanaovana kofehy mafy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:6.
DH: "mba hiraikitra amin'izany ireo"
DH: "hiraikitra hatrany eo amin'ny efoda ny saron-tratra"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Io dia manondro anaran'ireo foko voasokitra amin'ireo vato roambinifolo ny saron-tratra araka ny voasoritsoritra ao amin'ny 28:17.
"eo amin'ny fon'i Arona" na "eo amin'ny tratrany"
Ny andianteny faharoa dia eo mba hanondro an'i Orima sy Tomima ary manazava ny tanjon'ireo.
Tsy mazava hoe inona ireo. Zavatra ireo, mety ho vato, izay nampiasain'ny mpisorona hamaritana ny sitra-pon'Andriamanitra.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Dia afaka ambara ho didy. DH: "Tsy maintsy manao izany akanjo lava izany ny mpanenona"
"olona izay manenona" na "olona izay mamorona lamba amin'ny fampiasana kofehy"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay ataon'ny olona i Yaveh.
Ny ampongaben-danitra dia voankazo boribory misy hodiny mena.
Naverina io andianteny io mba haneho ny endriky ny sary amin'ny akanjo lava.
DH: "Tsy maintsy manao ny akanjo i Arona rehefa manompo"
DH: "mba haneno ireo lakolosy"
Tafiditra amin'izany fa ho faty izy satria tsy nankatoa an'i Yaveh. Afaka ambara izao. DH: "Vokatr'izany, dia tsy ho faty noho ny tsy fankatoavany ny fampianarako izy" (UDB)
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"soraty amin'izany tahaka ny nisokiran'ny olona azy teo amin'ny tombokase izany." Jereo ny nandikanao ireo teny ireo ihany ao amin'ny 28:10
saron-doha lava natao tamin'ny lamba mivalona manodidina ny loha imbetsaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:4.
DH: "Tsy maintsy anao izany eo amin'ny tampon-kandriny i Arona"
DH: "Tsy maintsy anao ny hamama eo amin'ny tampon-kandriny lalandava i Arona"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona Andriamanitra.
Io dia saron-doha lava natao tamin'ny lamba mivalona imbetsaka manodidina ny loha. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:4.
Ny fehinkibo dia sombin-damba fanaingona izay anaovan'ny olona manodidina ny valahany na misadika amin'ny tratrany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:4.
Ny mpanao peta-kofehy dia olona izay manjaitra sary amin'ny lamba. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:36.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona Andriamanitra.
Ny fehinkibo dia sombin-damba fanaingona izay anaovan'ny olona manodidina ny valahany na misadika amin'ny tratrany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:4.
Ny fehiloha dia lamba tery, ravin-damba fanaingoana izay nanaovana nanodidina ny loha ambonin'ny maso.
Arona dia zokilahin'i Mosesy. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Ampanaovy an'i Arona zokinao lahy ireo akanjo ireo" (UDB)
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Andriamanitra.
Ireo dia atin'akanjo, akanjo nanaovana anatin'ny akanjo ivelany, mipetaka amin'ny hoditra.
Io dia anaran'ny tabernakely hafa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:20.
"lalàna tsy ho tapitra"
1 Ary izao no tsy maintsy ataonareo mba hanokananareo azy ireo ho ahy mba hanompoan'izy ireo Ahy ho mpisorona. Mangalà vantotr'ombilahy sy ondrilahy roa tsy misy kilema, 2 mofo tsy misy lalivay, ary mofomamy tsy misy lalivay nasiana menaka. Mangalà ihany koa mofo manify tsy misy lalivay voahoso-menaka. Manaova mofo manify amin'ny fampiasana ny lafarinina varim-bazaha. 3 Ataovy anaty harona iray ireo, ento anaty ny harona ireo, ary atolory miaraka amin'ilay vantontr'ombilahy sy ireo ondrilahy roa. 4 Tsy maintsy mitondra an'i Arona sy ireo zanany eo amin'ny fidirana amin'ny lay fihaonana ianareo. Tsy maintsy manasa an'i Arona sy ireo zanany amin'ny rano ianareo. 5 Tsy maintsy manala ireo akanjo ary mampitafy an'i Arona amin'ny akanjo lava, akanjo misy ny efoda, ny efoda, ary ny saron-tratra ianareo, mampiraikitra ny fehikibo vita amin'ny tenona-manify efoda manodidina azy. 6 Tsy maintsy mametraka ny satroka amin'ny lohany ary mametraka ny satro-boninahitra masina eo ambonin'ilay satroka. 7 Avy eo dia makà ny menaka fanosorana ary araraho eo amin'ny lohany, izany no fomba hanosorana azy. 8 Ianareo dia tsy maintsy mitondra ireo zanany ary mampiakanjo lava azy ireo. 9 Tsy maintsy mampiakanjo an'i Arona sy ireo zanany amin'ny saron-tratra ary mametraka fehiloha amin'izy ireo ianareo. Ho azy ireo amin'ny alalan'ny lalàna mandrakizay ny asa fisoronana. Amin'zany fomba izany dia tsy maintsy hanokana an'i Aarona sy ireo zanany mba hanompo Ahy ianareo. 10 Tsy maintsy hitondra ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'ny lay fihaonana ianareo rehetra, ary i Arona sy ireo zanany dia tsy maintsy mametraka ny tanan'izy ireo amin'ny lohan'izany. 11 Tsy maintsy mamono ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'i Yaveh eo amin'ny fidirana amin'ny lay fihaonana ianareo. 12 Tsy maintsy maka ampahany amin'ny ràn'ny vantotr'ombilahy ianareo ary mametraka izany amin'ny rantsan-tananareo amin'ireo tandroky ny alitara, ary tsy maintsy mandraraka ny ambin'ny rà eo amin'ny fototry ny alitara. 13 Tsy maintsy esorinareo ny sabora rehetra izay mandrakotra ny ao anatiny, esory ihany koa ny sabora izay mandrakotra ny aty sy ireo voa roa; dory eo amin'ny alitara izany rehetra izany. 14 Fa ny nofon'ny vantotr'ombilahy kosa, ny hodiny sy ny tain-drorohany, dia tsy maintsy doranareo any ivelan'ny toby. Ho sorona nohon'ny fahotana izany. 15 Tsy maintsy maka ny ondry lahy ihany koa ianareo, ary i Arona sy ireo zanany dia tsy maintsy mametraka ny tanan'izy ireo eo amin'ny lohan'izany. 16 Tsy maintsy vonoinareo ny ondry lahy, ary maka ny ràny sy mamafy izany amin'ny sisin'ny alitara rehetra. 17 Tsy maintsy tetehinareo ilay ondrilahy ary sasainareo ny ao anatiny sy ny tongony, ary tsy maintsy apetrakareo, miaraka amin'ireo efa voatetika sy ny lohany, eo amin'ny alitarany tao anatiny. 18 Avy eo dory manontolo ilay ondry. Ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh izany, hanitra mamerovero, fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. 19 Tsy maintsy maka ilay ondrilahy hafa ianareo avy eo, ary Arona sy ireo zanany dia tsy maintsy mametraka ny tanan'izy ireo eo amin'ny lohan'izany. 20 Ary tsy maintsy mamono ilay ondrilahy sy maka ampahany amin'ny ràny ianareo. Ataovy eo amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'i Arona izany, ary eo amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ireo zanany, eo amin'ny ankihiben'ny tanana ankavanan'izy ireo, sy eo amin'ny ankihiben-tongotra ankavanan'izy ireo. Avy eo dia tsy maintsy mamafy ny rà amin'ny sisin'ny alitara rehetra ianareo. 21 Tsy maintsy maka ampahany amin'ny rà izay eo amin'ny alitara sy ampahany amin'ny menaka fanosorana ianareo, ary mamafy izany rehetra izany amin'i Arona sy ny akanjony, amin'ireo zanany sy ny akanjon'izy ireo ihany koa. Dia ho voatokana ho Ahy i Arona, mbamin'ireo fitafiany, ireo zanany sy ireo fitafian'izy ireo. 22 Tsy maintsy esorinareo ny saboran'ilay ondrilahy, ny saboran'ny rambony, ny sabora izay mandrakotra ny ao anatiny, ny saboran'ny aty, ireo voa roa sy ny saboran'izany, ary ny fe ankavanana-satria io ondrilahy io dia ho an'ny mpisorona izay nohamasinina ho Ahy. 23 Mandraisa mofo iray, mofo iray misy menaka, ary mofo manify iray ao amin'ny harona izay misy ireo mofo tsy misy lalivay izay eo anatrehan'i Yaveh. 24 Tsy maintsy apetrakareo eo amin'ny tanan'i Arona sy ny tanan'ireo zanany izany ary ataovy mihevaheva eto anatrehako ireo mba ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Yaveh. 25 Tsy maintsy maka ny sakafo avy eo amin'ny tanan'izy ireo ianareo avy eo ary mandoro izany miaraka amin'ny fanatitra dorana eo amin'ny alitara. Hamoaka hanitra mamerovero izany; ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Ahy izany. 26 Tsy maintsy maka ny tratran'ny ondrilahin'ny fanokanana an'i Arona ianareo ary manevaheva izany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Yaveh, ka ho anjaranareo izany. 27 Tsy maintsy atokanareo ho Ahy ny tratran'ny fanatitra izay nahevaheva, ary ny fe izay anjaran'ireo mpisorona—ny tratra izay nahevaheva sy ny fe izay anjaran'i Arona sy ireo zanany. 28 Ho didy mandrakizay ho an'i Arona sy ireo zanany izany. Ho fandraisana anjaran'ireo olon'Israely ny manome amin'ny fanati-pihavanana ho an'i Yaveh. 29 Ireo fitafiana masin'i Arona dia tsy maintsy voatokana ho an'ireo zanany mandimby azy. Izy ireo dia ho voahosotra ao amin'izy ireo ary voatokana ho Ahy ao amin'izy ireo. 30 Ny mpisorona izay mandimby azy eo amin'ireo zanany, izay tonga ao amin'ny lay fihaonana mba hanompo Ahy ao amin'ny toerana masina, dia tokony hanao ireo fitafiana ireo mandritra ny fito andro. 31 Tsy maintsy maka ny ondrilahy ho an'ny fametrahana ny mpisorona ho Ahy sy mahandro ny henan'izany ao amina toerana masina ianareo. 32 Arona sy ireo zanany dia tsy maintsy mihinana ny henan'ny ondrilahy sy ny mofo izay tao anatin'ny harona teo amin'ny fidirana mankao amin'ny lay fihaonana. 33 Izy ireo dia tsy maintsy mihinana ny hena sy ny mofo izay nomena mba hanonerana azy ireo sy hanokanana azy ireo, mba ho voatokana ho Ahy. Tsy misy olon-kafa tokony hihinana ny sakafo, satria izy ireo dia tsy maintsy manao izany tahaka ny hoe nohamasinina ho Ahy, natokana ho Ahy. 34 Raha misy ambiny amin'ny maraina ireo henan'ny fanatitra fanokanana, na izay mofo rehetra, dia tsy maintsy doranareo izany. Tsy azo hohanina intsony izany satria efa natokana ho Ahy. 35 Amin'izany fomba izany, amin'ny alalan'ny fanarahana izay rehetra nodidiako ho ataonareo, no tsy maintsy hitondranareo an'i Arona sy ireo zanany. Mandritra ny fito andro ireo no tsy maintsy homaninareo. 36 Isan'andro ianareo dia tsy maintsy manolotra ombilahy ho fanatitra nohon'ny fahotanareo mba ho fanavotana. Tsy maintsy manadio ny alitara amin'ny alalan'ny fanaovana fanavotana eo amin'izany ianareo, ary ianareo dia tsy maintsy manosotra izany mba hanokanana izany ho Ahy. 37 Mandritra ny fito andro dia tsy maintsy manao fanavotana eo amin'ny alitara sy manokana izany ho an'i Yaveh ianareo. Ka ho voatokana manontolo ho Ahy ny alitara. Izay rehetra mikasika ny alitara dia ho voatokana ho an'i Yaveh. 38 Tsy maintsy hatolotrareo eo amin'ny alitara isan'andro tsy tapaka ny zanak'ondry herintaona ro. 39 Ny zanak'ondry iray dia tsy maintsy atolotra amin'ny maraina, ary ny zanak'ondry iray hafa dia tsy maintsy atolotra eo ho eo amin'ny filentehan'ny masoandro. 40 Amin'ilay zanak'ondry voalohany, dia manolora koba manify impolon'ny efaha nafangaro tamin'ny diloilo ampahefatry ny hina avy amin'ny oliva nofihazina, ary divay ampahefatry ny hina mba ho zava-pisotro fanatitra. 41 Tsy maintsy manolotra ny zanak'ondry faharoa ianareo eo ho eo amin'ny fiposahan'ny masoandro. Ianareo dia tsy maintsy manolotra fanatitra hohanina tahaka tamin'ny maraina, sy zava-pisotro fanatitra. Hiteraka hanitra mamerovero ho Ahy ireo; ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Ahy izany. 42 Tsy maintsy fanatitra dorana tsy tapaka amin'ny taranakareo ireo, eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana eo anatrehan'i Yaveh, izay hihaonako aminao sy hiresahako aminao. 43 Any no hihaonako amin'ireo Israelita, ny lay dia ho atokana ho Ahy amin'ny alalan'ny voninahitro. 44 Hanokana ny lay fihaonana sy ny alitara ho an'ireo izay Ahy manokana aho. Hanokana an'i Arona sy ireo zanany mba hanompo Ahy ho ny mpisorona ihany koa Aho. 45 Hiaina eo amin'ireo Israelita Aho ary ho Andriamanitr'izy ireo. 46 Ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh, Andriamanitr'izy ireo, izay nitondra azy ireo nivoaka ny tany Egypta mba hahafahako miaina eo amin'izy ireo. Izaho no Yaveh, Andriamanitr'izy ireo.
Ny teny hoe "ary'' dia manamarika ny fiovana ao amin'ny lohahevitra avy amin'ireo akanjo ho an'ireo mba hanamasina ireo mpisorona.
Eto ny hoe "-nareo" dia manondro an'i Mosesy.
"mba hanokana an'i Arona sy ireo zanany lahy"
Eto ny hoe "Ahy'' dia manondro an'i Yaveh.
omby lahy
DH: "Manaova ihany koa mofo manify tsy misy lalivay ary atsoboy ao amin'ny menaka izany"
Ireo dia karazana sakafo isan-karazany avy amin'ny lafarina.
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh
"Ataovy ny mofo, mofomamy, ary mofo manify"
Eto ny "atolory" dia midika hoe manolotra ho sorona. Ny dikan'io feno dia afaka adika mazava. DH: "ary atolory Ahy ireo rehefa manao sorona vantotr'ombilahy sy ireo zanak'ondry roa" (UDB)
Io dia anaran'ny tabernakely hafa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:20.
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Io dia akanjo misy sary tenona. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:4.
Io dia fehikibo lamba vita tamin'ny kofehy tery izay notenonina miaraka mba hanao kofehy mafy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:6.
Io dia saron-doha lava natao tamin'ny lamba mivalona manodidina ny loha imbetsaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:4.
Io satro-boninahitra io dia voasoritsoritra ao amin'ny 29:5 ho nasiana teny voasikotra hoe "natokana ho an'i Yaveh" (UDB) ary natao tamin'ny volamena tsy mifangaro.
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
"mitondra ireo zanak'i Mosesy lahy"
Ireo dia akanjo misy sary tenona eo aminy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:4.
Ny fehinkibo dia sombin-damba fanaingona izay anaovan'ny olona manodidina ny valahany na misadika amin'ny tratrany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:4.
Ny fehinkibo dia sombin-damba fanaingona izay anaovan'ny olona manodidina ny valahany na misadika amin'ny tratrany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:4.
"ny raharaha amin'ny maha-mpisorona"
Ny raharaha amin'ny maha-mpisorona dia ho an'ny taranak'ireo zanakalahin'i Arona ihany koa. Afaka ambaranao mazava ao amin'ny dikan-teny izany. DH: "ho an'izy ireo sy ny taranak'izy ireo"
"lalàna tsy ho tapitra". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:42.
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Io dia anaran'ny tabernakely hafa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:20.
Ny fanatitra vantotr'ombilahy dia ho vonoin'i Mosesy, fa tsy ny mpisorona, eo amin'ny varavarana, fa tsy anatin'ny lay fihaonana.
Satria ireo andininy manaraka dia hiteny izay hatao amin'ny ràn'ny vantotr'ombilahy, dia mampiasà teny ho an'ny hoe "mamono" izay midika fomba mitovy amin'ny hoe "mandavaka ny tendany ary mitaty ny rà anaty vilia jobo" (UDB).
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Ireo dia fampikambanana izay miendrika tandrok'omby nafatotra tamin'ireo zoron'ny alitara efatra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:1.
"ny sisa amin'ny rà"
"mandrakotra ireo taova"
Ireo dia taova anatin'ny vatana.
"Fa ny ambiny amin'ny tetiky ny vantotr'ombilahy"
Ho an'io sorona fanamasinana ho an'ny mpisorona io, tsy i Mosesy, na i Arona na ireo zanany lahy, no namono ireo biby.
Tsy tahaka ny fanatitra vantotr'omby izay nodorana ivelan'ny lay fihaonana, fa ny ondrilahy dia ho dorana ao anatin'ny alitara.
"ireo taova". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:12.
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Ny ondrilahy dia novonoina tamin'ny fanapahana ny tendany. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Dia vonoy amin'ny fandavahana ny tendany ny ondrilahy" (UDB) na "Dia vonoy amin'ny fanapahana ny tendany ny ondrilahy"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
DH: "Tamin'ny fanaovana izany, dia hanokana an'i Arona ho Ahy ianao"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Ireo dia manondro ireo taova anatin'ny vatana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:12.
Ho an'ny 29:23 jereo ny nandikanao ireo teny ireo ihany ao amin'ny 29:1.
Manohy miresaka amin'i Mosesy Andriamanitra.
Eto ny hoe "ireo" dia manondro ireo ampahan'ny sorona voalaza ao amin'ireo andininy teo aloha.
DH: "dory ho fanatitra ho Ahy izany"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
"ondrilahy izay natokana" na "ondrilahy izay novonoinao"
"ondrilahy izay nampiasainao mba hanokanana an'i Mosesy"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Ireo fitafiana ireo dia an'ny fisoronana fa tsy akanjon'i Arona fotsiny ihany. DH: "tsy maintsy hanokana fitafiana masina ho an'ireo zanany lahy handimby azy i Arona"
DH: "Tsy maintsy hanao ireo fitafiana masina izy ireo rehefa manosotra ireo zanany lahy ary mampisy Ahy ao amin'izy ireo ianao"
Io dia anaran'ny tabernakely hafa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:20.
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
"ny ondrilahy novonoinao rehefa nametraka ireo mpisorona ianao''
Izany dia tsy mitovy amin'ny toerana masina ivelan'ny toerana masina indrindra. Izany dia manondro toerana anatin'ny kianja. DH: "ao amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana"
Io dia anaran'ny tabernakely hafa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:20.
DH: "izay nataonao sorona"
DH: "Tsy hisy na iza na iza hihinana izany"
DH: "satria efa nanokana izany ho Ahy ianao"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
"Nandidy anao mba hanao an'i Arona sy ireo zanany lahy toy izany Aho"
"Dia ho masina indrindra ny alitara" (UDB)
"ho masina indrindra ihany koa"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
"Tsy maintsy manolotra isan'andro eo amin'ny alitara ianao"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
"1/10...1/4"
Ny iray efaha dia 22 litatra.
Ny hina iray dia 3.7 litatra.
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
DH: "ho fanatitra dorana ho Ahy izany"
"amin'ny taranaky ny taranakao rehetra". Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 12:12.
Io dia anaran'ny tabernakely hafa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:20.
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
DH: "Ny fanatrehako tsara dia hanokana ny lay ho Ahy"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
1 Manamboara alitara handorana ditin-kazo manitra. Ataovy amin'ny hazo akasia izany. 2 Tokony iray hakio ny halavany, ary iray hakio ny sakany. Tokony ho efa-joro izany, ary ny hahavony dia tokony ho roa hakio. Ary tokony hatao iray aminy ny tandrony. 3 Rakofy ditin-kazo manitra ny alitara miaraka amin'ny volamena madio—ny tampony, ireo sisiny, ary ireo tandrony. Asio sisim-bolamena ny manodidina azy. 4 Manaova mason-drojo volamena roa hafatotra aminy ao ambanin'ny sisiny amin'ireo sisiny roa mifanadrify aminy. Ilay mason-drojo dia tokony hitazona ireo bao mba hilanjana ilay alitara. 5 Manaova bao amin'ny hazo akasia, ary fonosy amin'ny volamena ireo. 6 Tokony apetrakao eo alohan'ny lamba izay akaiky ny fiaran'ny vavolombelona ny alitaran'ny ditin-kazo manitra. Izany ho eo alohan'ny saronam-panavotana izay eo amin'ny fiaran'ny vavolombelona, izay hihaonako aminareo. 7 Aoka handoro ditin-kazo manitra isa-maraina i Arona. Aoka rehefa mitazona ireo jiro no handoro izany izy, 8 ary handrehitra ny jiro indray i Arona amin'ny hariva mba hirehitra tsy tapaka eo anatrehan'i Yaveh ny ditin-kazo manitra, hatramin'ireo taranakao. 9 Fa aoka tsy hanolotra ditin-kazo manitra hafa eo amin'ny alitaran'ny ditin-kazo manitra ianao, na koa fanatitra dorana na fanatitra vary. Aza mandraraka fanatitra fisotro eo amin'izany ianao. 10 Aoka hanao fanavotana indray mandeha isan-taona eo amin'ireo tandroka ireo i Arona. Amin'ny alalan'ny ràn'ny fanatitra nohon'ny ota no hanaovany fanavotana indray mandeha isan-taona ho an'izany ho amin'ny taranakao fara-mandimby. Izany dia voatokana tanteraka ho an'i Yaveh." 11 Yaveh niteny tamin'ny Mosesy nanao hoe: 12 "Raha maka ny fanisana an'ireo Israelita ianao, dia tokony manome vidim-panavotana ny ainy ho an'i Yaveh avy ny olona tsirairay. Ataonao izany rehefa avy manisa azy ireo ianao, mba tsy hisian'ny areti-mandringana eo amin'izy ireo rehefa manisa azy ireo ianao. 13 Ireo olona rehetra izay voaisa ao amin'ny fanisam-bahoaka dia handoa antsasaky ny sekely volafotsy, araka ny lanjan'ny sekelin'ny fitoerana masina (ny sekely dia mitovy amin'ny gera roa-polo). Io antsasaka sekely io dia hatao ho fanatitra ho an'i Yaveh. 14 Ireo olona rehetra izay voaisa, hatramin'ny roa-polo taona miakatra, no tsy maintsy mandoa io fanatitra io ho Ahy. 15 Rehefa hanome izany fanatitra izany ho Ahy ny olona hanaovana fanavotana ny ain'izy ireo, dia tsy tokony handoa mihoatra ny antsasaka sekely ny manan-karena, ary ny mahantra tsy handoa latsaka. 16 Tokony handray izany vola fanavotana avy amin'ireo Israelita izany ianareo ary tokony hitondra izany amin'ny asa ao amin'ny trano lay fihaonana. Aoka ho fampatsiahivana ho an'ireo Israelita eo anatrehako izany, mba hanaovana fanavotana ho an'ny ainareo." 17 Yaveh niresaka tamin'ny Mosesy ary niteny hoe: 18 "Manaova koveta lehibe varahina ihany koa miaraka amin'ny tsanganam-barahina iray, kovetabe iray ho fisasana. Apetrakareo eo anelanelan'ny trano lay fihaonana sy ny alitara izany, ary asio rano ao anatiny. 19 Ary Arona sy ireo zanany lahy dia tokony hanasa ny tanany sy ny tongotr'izy ireo amin'ny rano ao anatiny izany. 20 Rehefa handeha ho ao amin'ny trano lay fihaonana izy ireo na rehefa handeha hanakaiky ny alitara mba hanompo Ahy amin'ny alalan'ny fandorana fanatitra, dia tsy maintsy misasa amin'ny rano izy ireo mba tsy ho faty. 21 Tsy maintsy manasa ny tanany sy ny tongony izy ireo mba tsy ho faty. Aoka ho lalàna maharitra ho an'ny Arona sy ireo taranany ary hatramin'ireo taranaka fara-mandimbin'izy ireo izany. 22 Niresaka tamin'ny Mosesy Yaveh niteny hoe: 23 "Raiso ireto zava-manitra tsara ireto: miora-mitete diman-jato sekely, kanelina manim-pofona 250 sekely, fary manim-pofona 250 sekely, 24 kasia diman-jato sekely, norefesina tamin'ny lanjan'ny sekely ny fitoerana masina, sy menaka oliva iray hina. 25 Manaova menaka fanosorana masina miaraka amin'ireo fangaro ireo, izay asan'ny mpangaroharo zava-manitra. Ho menaka fanosorana masina izany, voatokana ho Ahy. 26 Aoka hosoranao amin'io menaka io ny trano lay fihaonana, toy izany koa ny fiaran'ny vavolombelona, 27 ireo latabatra mbamin'ny fanaka rehetra eo amboniny, ny fitoeran-jiro ary ireo fitaovana, ary ny alitaran'ny ditin-kazo manitra, 28 ny alitaran'ireo fanatitra dorana mbamin'ny fitaovana rehetra, ary ny kovetabe miaraka amin'ny tongony. 29 Atokany ho Ahy ireo mba ho masina ho Ahy. Izay rehetra mikasika azy ireo ihany koa dia ho masina. 30 Aoka hosoranao i Arona sy ireo zanany lahy ka atokany ho Ahy izy ireo mba hanompo Ahy ho mpisorona. 31 Aoka ho lazainao amin'ireo Israelita hoe: 'Aoka ho menaka fanosorana voatokana ho an'i Yaveh ho an'ireo taranaky ny olona ity. 32 Tsy azo hosorana amin'ny hoditry ny olona izany, na manao menaka toy izany amin'ny raikipohy mitovy, satria izany dia voatokana ho an'i Yaveh. Fa tokony hijery izany amin'izany fombany izany ianao. 33 Na iza na iza manao ditin-kazo manitra toy izany, na na iza na iza manisy izany eo amin'ny olona, dia tsy maintsy hesorina hiala amin'ny fireneny izany olona izany.'" 34 Hoy Yaveh tamin'ny Mosesy: "Makà zava-manitra—natafa, sekeleta, ary lebona-zava-manitra mamy izay miaraka amin'ny ditin-kazo madio, ataovy mitovy fatra izany. 35 Ataovy ho toy ny ditin-kazo manitra izany, nafangaron'ny mpanao zava-manitra, miaraka amin'ny sira, madio ary voatokana. 36 Hotorotoroinao hifangaro tsara izany. Apetraho eo alohan'ny fiaran'ny vavolombelona izany, izay ao amin'ny trano lay fihaonana, izay hihaonako aminao. Ary ianareo dia handray izany ho toy ny masina indrindra ho Ahy. 37 Ny amin'ity ditin-kazo manitra izay hataonao ity, dia tsy tokony hanao raikipohy mitovy ho an'ny tenanao ianao. Tokony ho masina indrindra ho anao izany. 38 Na iza na iza manao zavatra tahaka izany hampiasana ho toy ny rano manitra dia tsy maintsy hesorina hiala amin'ny fireneny izany olona izany."
Milaza amin'i Mosesy ny fomba hanorenana ny fitaovam-panompoana i Yaveh.
Eto ny hoe "ianareo" dia manondro an'i Mosesy sy ny vahokan'ny Israely.
Ireo dia fampikambanana izay miendrika tandrok'omby nafatotra tamin'ireo zoron'ny alitara efatra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:1. DH: "Tsy maintsy ataonao ireo tandrony"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"alitara handorana ditin-kazo manitra"
DH: "izay hafatotrao amin'ny alitara"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Ny fiara dia tratra izay misy ny didy. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:31. DH: "ny tratra misy ny didy"
Io dia sarona izay mipetraka eo an-tampon'ny fiara izay nanaovana ny fanati-panavotana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:15.
Eto ny hoe "aminareo" dia manondro an'i Mosesy.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"amin'ny taranaky ny taranakao rehetra". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 12:12.
Na dia ho an'i Mosesy aza ny teny hoe "ianao"; ny fampianarana kosa dia nomena manokana an'i Arona sy ireo taranany rehetra ary na oviana na inona no atolotr'izy ireo eo amin'ny alitaran'ny ditin-kazo manitra.
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Ireo dia fampikambanana izay miendrika tandrok'omby nafatotra tamin'ireo zoron'ny alitara efatra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:1.
"amin'ny taranaky ny taranakao rehetra". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 12:12.
Ireo mety ho heviny dia 1) "ianao" dia manondro an'i Mosesy tokoa na 2) "ianao" dia manondro an'i Mosesy sy ireo mpitarika ny Israely amin'ny taranaka ho avy rehefa maka ny fanisam-bahoaka izy ireo.
Ny lehilahy Israelita ihany no nisain'ireo mpitarika.
Ny lehilahy ihany no nisain'izy ireo. DH: "Ny olona rehetra nisainao" na "Ny lehilahy rehetra nisainao"
"1/2 ny sekely volafotsy". Mety mampiasa ny fandrefesana izay takatry ny olona sy isa boribory ireo mpandika teny: " volafotsy 5.5 grama" na ''volafotsy 6 grama"
Nisy sekely izay misy lanjany mihoatra ny iray amin'ny fotoana iray tokoa. Io voatokana io izay tokony ampiasaina.
"gera 20". Ny gera iray dia marika izay nampiasain'ny olona handrefesana hoe firy ny lanjan'ny zavatra tena kely.
Isa betsaka resahina toy ny hoe mihoatra na ambon'ny isa kely. DH: "hatramin'ny roapolo taon a noho mihoatra" na "izay roapolo taona na mihoatra"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Ny lehilahy ihany no nanao izany fanatitra izany.
Mety mampiasa ny fandrefesana izay takatry ny olona sy isa boribory ireo mpandika teny: " volafotsy 5.5 grama" na ''volafotsy 6 grama" Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 30:11.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hampatsiahy ireo Israelita mba hanaovany fanavotana ny ain'izy ireo izany" na 2) "Hampatsiahy ireo Israelita izay nanaovan'izy ireo ny ainy izany."
Eto ny hoe "ianao'' dia manondro an'i Mosesy sy ny vahoakan'i Israely.
"lovia jobo" na "kovetabe fandroana"
Io dia izay ametrahana ny kovetabe.
Ireo andianteny ireo dia manazava izay hampiasan'ireo mpisorona ny koveta varahina lehibe.
alitaran'ny sorona
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"rano ao anatin'ny kovetabe"
"ho an'i Arona sy ireo taranaky ny taranak'izy ireo rehetra". Jereo ny nandikanao io andianteny io ihany ao amin'ny 12:12.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
zava-maniry maina izany totoin'ny olona ho vovony ary atao anatin'ny menaka na sakafo mba hahamanitra na hampatsiro tsara izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:3.
"500 sekely...250 sekely". Ny sekely iray dia 11 grama eo ho eo. Mety mampiasa ny marika fantatry ny olona sy isa boribory ireo mpandika teny: "5.7 kilao...11.4 kilao" na "enina kilao...telo kilao"
Ireo dia zava-manitra.
Nisy sekely izay misy lanjany mihoatra ny iray amin'ny fotoana iray tokoa. Io voatokana io izay tokony ampiasaina. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 30:11.
Mety mampiasa ny marika izay fantatry ny olona sy isa boribory ireo mpandika teny: "3.7 litatra" na "efa-litatra"
"amin'ireo zavatra ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) Tokony manana mpangaroharo mba hanao ny asa i Mosesy na 2) Tokony hanao ny asa mihitsy i Mosesy tahaka ny hanaovan'ny mpangaroharo zava-manitra izany.
olona izay za-draharaha amin'ny fangaroharoana zava-manitra sy menaka
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Eto ny hoe "-nao'' dia manondro an'i Mosesy.
Ny fiara dia tratra izay misy ireo didy. Io dia afaka ambara mazava ao amin'ny dikan-teny. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:31. DH: "ny tratra misy ireo didy".
"alitara izay nandorana ny fanatitra"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Io dia manondro ireo zavatra voatanisa ao amin'ny 30:26.
''ny taranaky ny taranakao rehetra". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 12:12.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
DH: "Aza manisy ny menaka fanosorana izay natokana ho an'i Yaveh amin'ny hoditry ny olona ianao"
"amin'ny akora mitovy" na ''amin'ny zavatra mitovy"
Ny sarinteny hoe "hesorina" dia mety misy heviny telo farafahakeliny. 1) "Tsy ho raisiko ho iray amin'ny vahoakan'ny Israely intsony izy" 2) "tsy maintsy handefa azy lavitra ny vahoakan'ny Israely" na 3) "tsy maintsy hamono azy ny vahoakan'ny Israely".
Manohy miresaka amin'i Yaveh izay hatao i Yaveh. Omen'i Yaveh an'i Mosesy irery ihany ireo didy. Na izany aza, ireo teny hoe "nafangaron'ny mpangaroharo zava-manitra" dia mety midika fa manana mpangaroharo zava-manitra mba haka zava-manitra, hanafangaro ireo, ary hanome ireo an'i Mosesy mba ahafahan'i Mosesy mametraka ny ampahany amin'ny fangaro eo anoloan'ny fiara, araka ny tao amin'ny UDB i Mosesy.
Ireo dia zava-manitra.
DH: "Ataovy miendrika ditin-kazo manitra izay nisy mpangaroharo zava-manitra nanafangaro azy izany" na "Tsy maintsy afangaron'ny mpangaroharo zava-manitra ho karazana ditin-kazo manitra izany"
Ireo mety ho heviny dia 1) Tokony manana mpangaroharo zava-manitra mba hanao ny asa i Mosesy na 2) I Mosesy mihitsy no tokony hanao ny asa tahaka ny fomba hanaovan'ny mpangaroharo izany. Jereo ny nandikanao ireo teny ireo ao amin'ny 30:22.
"Ho potehinao izany". Eto ny hoe "-nao'' dia manondro an'i Mosesy.
Eto ny hoe "-nareo" dia manondro an'i Mosesy sy ny vahoaka rehetra.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Ny teny hoe "ianao" eto dia manondro ny vahoakan'ny Israely.
"amin'ny akora mitovy" na "amin'ny zavatra mitovy". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 30:32.
"Tsy maintsy hataonao ho masina indrindra izany"
Io dia rano tsara fofona ataon'ny olona amin'ny vatany.
Ny sarinteny hoe "hesorina" dia mety misy heviny telo farafahakeliny. 1) "Tsy ho raisiko ho iray amin'ny vahoakan'ny Israely intsony izy" 2) "tsy maintsy handefa azy lavitra ny vahoakan'ny Israely" na 3) "tsy maintsy hamono azy ny vahoakan'ny Israely". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 30:32.
1 Hoy Yaveh tamin'ny Mosesy hoe: 2 "Indro, nantsoiko tamin'ny anarany i Bezalela zanak'i Ori sy Ora, avy any amin'ny fokon'i Joda. 3 Nofenoiko tamin'ny fanahiko i Bezalela, mba hanomezako azy fahendrena, fahazavan-tsaina, ary fahalalana, ho an'ny karazana asa tanana rehetra, 4 mba ho famolavolàna ny kanto ary hiasana amin'ny volamena, volafotsy, ary varahana; 5 mba hanapaka sy hametra-bato ary hisokitra hazo ihany koa—mba hanao ireo karazana asa tanana rehetra. 6 Fanampin'izany ho azy, notendreko i Oliaba zanaka lahin' i Ahisamatsa, avy any amin'ny fokon'ny Dana. Nasiako fahaiza-manao ny tao am-pon'ny rehetra izay hendry mba hahafahan'izy ireo manao izay rehetra nandidiako anao. 7 Tafiditra amin'izany ny trano lay fihaonana, ny fiaran'ny fijoroana vavolombelona, ny sarim-panavotana teo ambony fiara, ary ny fanaky ny lay rehetra— 8 ny latabatra rehetra sy ireo fanaka, ny fanaovan-jiro madio miaraka amin'ireo fitaovany, ny alitaran'ny didin-kazo manitra, 9 ny alitaran'ny fanatitra dorana sy ny fitaovany rehetra, ary ny koveta lehibe mbamin'ny vodiny. 10 Voakasik'izany ihany koa ny akanjo voatenona manify—ireo akanjo masina ho an'i Arona mpisorona sy ny an'ireo zanany, voatokana ho Ahy mba hahafahan'izy ireo manompo ho mpisorona. 11 Voakasik'izany ihany koa ny menaka fanosorana sy didin-kazo manitra ho an'ny toerana masina. Ireo lehilahy mpanao asa tanana rehetra dia tsy maintsy hanao izany araka izay nandidiako anao. 12 Yaveh niresaka tamin'i Mosesy ary nanao hoe: 13 "Lazao ireo Israelita hoe: 'Tsy maintsy hajainareo tokoa ny andro Sabatan'i Yaveh, fa izany no famatarana eo aminy sy ianareo manerana ireo taranaky ny vahoakanareo, amin'izay mba ho fantatrareo fa Izy ilay Yaveh, izay nanokana anareo ho Azy. 14 Noho izany dia tsy maintsy manaja ny Sabata ianareo, amin'izay dia tsy maintsy raisinareo ho masina izany, ary voatokana ho Azy izany. Ary izay mandoto izany dia tsy maintsy ho vonoina ho faty tokoa. 15 Na iza na iza miasa amin'ny andro Sabata, dia tsy maintsy ho esorina amin'ny vahokany tokoa izany olona izany. Hatao mandritra ny enina andro ny asa, fa amin'ny andro faha fito dia andro Sabata izay fitsaharana tanteraka, masina, natokana ho fanajana an'i Yaveh. Na iza na iza miasa amin'ny andro Sabata dia ho vonoina tokoa. 16 Noho izany ireo Israelita dia tsy maintsy manaja ny Sabata. Tsy maintsy mitandrina izany ho lalàna maharitra izy ireo manerana ny taranaky ny vahoakany. 17 Ny Sabata dia ho famantarana eo amn'i Yaveh sy ireo Israelita hatrany, nandritra ny enina andro no nanaovan'i Yaveh ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ary naka aina."' 18 Rehefa avy niresaka tamin'i Mosesy Andriamanitra teo an-tendrombohitr'i Sinay, dia nomeny takelaka roan'ny didim-panekena izy, vita tamin'ny vato, voasoratra tamin'ny tanany ihany.
Resahin'Andriamanitra toy ny hoe miantso azy ireo amin'ny anarany ny fisafidiana olona miavaka. DH: "Efa nofidiako"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Ny fanomezana an'i Bezalela ny Fanahiny dia resahin'i Yaveh toy ny hoe fitoerana i Bezalela ary rano ny Fanahin'Andriamanitra . DH: "Efa nomeko an'i Bezalela ny Fanahiko"
Ny anarana hoe "asa tanana'' dia afaka adika hoe "manao asa tanana" na "manao zavatra". DH: "amin'ny fanaovana ireo karazana asa tanana rehetra" na "mba ahafahany manao ireo karazan-javatra rehetra"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ny fanaovana ny olona hahay manao zavatra dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe nasiany fahaizana tao anatin'ny fon'izy ireo. DH: "Efa nomeko fahaiza-manao ny rehetra izay hendry" na "Efa nataoko afaka hanao zavatra tsara ny rehetra izay hendry"
Io dia anaran'ny tabernakely hafa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:20.
Ny fiara dia tratra izay misy ireo didy. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:31. DH: "ny tratra misy ny didy"
Io dia sarona izay mipetraka eo ambonin'ny fiara izay nanaovana ny fanavotana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:15.
"alitara handoroana ny ditin-kazo manitra". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 30:3.
"alitara izay handorana ny fanatitra". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 30:26.
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Ireo dia akanjo natao tamin'ny kofehy rongony fotsy madinika tery izay notenonin'ny olona miaraka mba hanaovana kofehy mafy. Jereo ny nandikanao io andianteny io ihany ao amin'ny 28:6.
"Ireo olona izay mahay manao amin'ny fanamboarana zavatra tsara"
Ny fankatoavana ireo fampianarany momba ny Sabata dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe mitandrina ny Sabata. DH: "Tsy maintsy mankatoa ny fampianaran'i Yaveh tokoa ianareo"
"amin'ny taranaky ny taranakao rehetra". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 12:12.
Ny fifidianana olona ho Azy dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe manokana azy ireo ho Azy. DH: "izay nifidy anareo ho vahoakany"
DH: "fa tsy maints ataonareo ho masina izany"
Ny fandraisana ny Sabata tsy amim-panajana dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe mandoto izany. DH: "Ny olona rehetra izay mandray ny Sabata tsy amim-panajana" na "Ny olona rehetra izay tsy mankatoa ireo lalàna momba ny Sabata"
"tsy maintsy hovonoina tokoa". DH: "tsy maintsy vonoinao tokoa''
Ny sarinteny hoe "hesorina" dia mety misy heviny telo farafahakeliny. 1) "Tsy ho raisin'i Yaveh ho iray amin'ny vahoakan'ny Israely intsony izy" 2) "tsy maintsy handefa azy lavitra tokoa ianao" na 3) "tsy maintsy hamono azy tokoa ianao".
"fa ny andro 7"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Ny fampianarany momba ny Sabata dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe mitandrina ny Sabata. DH: "tsy maintsy mankatoa ireo fampianaran'i Yaveh momba ny Sabata"
"Tsy maintsy mitandrina izany izy ireo sy taranaky ny taranak'izy ireo rehetra." Jereo ny nandikanao izany ny hoe "hatramin'ny taranaky ny vahoakan'izy ireo" ao amin'ny 12:12.
"lalàna tsy ho tapitra". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:42.
DH: "izay nosoratan'i Yaveh tamin'ny tanany"
1 Rehefa hitan'ny vahoaka fa nitaredretra ny hidina avy any an-tendrombohitra i Mosesy, dia nitangorona nanodidina an'i Arona izy ireo ka nanao taminy hoe: "Avia, manaova sampy ho anay mba hialoha lalana antsika. Fa raha ny amin'iny Mosesy iny, ilay lehilahy izay nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy." 2 Dia hoy Arona tamin'izy ireo hoe: "Esory ireo kavina volamena izay eny amin'ny sofin'ny vadinareo, sy eny amin'ny sofin'ny zanakareo lahy sy vavy, dia ento ety amiko izany." 3 Dia samy nanala ireo kavina volamena teny amin'ny sofin'izy ireo avokoa ny vahoaka rehetra ka nitondra izany teny amin'i Arona. 4 Nandray ny volamena avy amin'izy ireo izy, namolavola izany, ary nanao izany ho zanak'omby voavolavola. Dia hoy ny vahoaka hoe: "Ry Israely, ity no andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tao amin'ny tany Egypta." 5 Rehefa hitan'i Arona izany, dia nanamboatra alitara teo anoloan'ilay zanak'omby izy ka nanao fanambarana; hoy izy hoe: "Ho andro firavoravoana amin'ny voninahitr'i Yaveh rahampitso." 6 Nifoha maraina ny vahoaka ny ampitson'io ka nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Avy eo dia nipetraka mba hihinana sy hisotro izy ireo, ary nitsangana nanao fomba fankalazana vetaveta. 7 Avy eo Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: "Mandehana faingana, satria manao ratsy, ny vahoakanao, izay nentinao niakatra avy tao amin'ny tany Egypta. 8 Nivily faingana tamin'ny lalana izay nandidiako azy izy ireo. Namolavola ombikely ho azy izy ireo ka nanompo izany sy nanao sorona ho an'izany. Hoy izy ireo hoe: "Ry Israely, ity no andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tao amin'ny tany Egypta.'" 9 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Efa hitako ity vahoaka ity. Indro, vahoaka mafy hatoka izy ireo. 10 Koa ankehitriny, aza manakana Ahy akory. Hirehitra amin'izy ireo ny hatezerako, ka haringako izy ireo. Dia hanao firenena lehibe avy aminao Aho." 11 Fa niezaka nampitony an'i Yaveh Andriamaniny i Mosesy. Hoy izy hoe: "Ry Yaveh, nahoana ny hatezeranao no mirehitra amin'ny vahoakanao, izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy tanana mahery? 12 Nahoana ireo Egyptiana no tokony hilaza hoe: 'Fikasàna ratsy no nitarihany azy ireo hivoaka, mba hamonoana azy ireo any an-tendrombohitra sy handringanana azy ireo hiala amin'ny tany?' Mialà amin'ny fahatezeranao ary atsaharo ity famaizana amin'ny vahoakanao ity. 13 Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Israely, mpanomponao, izay nianiananao ka nilazanao tamin'izy ireo hoe: "Hanamaro ny taranakareo toy ny kintana eny an-danitra Aho, ary homeko ny taranakareo ny tany rehetra izay efa noresahako taminareo. Handova izany mandrakizay izy ireo.'" 14 Avy eo dia nilefitra tamin'ny famaizana izay nolazainy fa hampiariny amin'ny vahoakany i Yaveh. 15 Avy eo dia nitodika i Mosesy ary nidina avy any an-tendrombohitra, nitondra teny an-tanany ireo vato fisaka roa misy ireo lalàn'ny fanekena. Samy voasoratra ny andaniny roa amin'ilay vato, ny ao aloha sy ao aoriana. 16 Asan'Andriamanitra manokana ireo vato, ary sora-tanan'Andriamanitra manokana ny soratra voasokitra eo amin'ireo vato fisaka. 17 Rehefa ren'i Josoa ny tabataban'ireo vahoaka izay nihikiaka, dia hoy izy tamin'i Mosesy hoe: "Misy feon'ny ady ao amin'ny toby." 18 Fa hoy Mosesy hoe: "Tsy feon'ny mpandresy izany reko izany, ary tsy feon'ny olona resy, fa feon'olona mihira no reko." 19 Rehefa nanatona ilay toby Mosesy, dia nahita ilay zanak'omby sy vahoaka nandihy. Tezitra mafy izy. Natsipiny avy teny an-tanany ireo vato fisaka ary nopotehiny teny ambanin'ny tendrombohitra. 20 Nalainy ilay zanak'omby izay namboarin'ny vahoaka, nodorany, ary notorotoroiny ho vovoka, ka nafafiny tany amin'ny rano. Avy eo nampisotroiny ny vahoakan'Israely izany. 21 Dia hoy i Mosesy tamin'i Arona hoe: "Inona no nataon'ity vahoaka ity taminao, no dia nitondranao fahotana lehibe tahaka izao izy ireo?" 22 Fa hoy Arona hoe: "Aza avela hirehitra ny hatezeranao, ry tompoko. Fantatrao ireo vahoaka ireo, ny faharisihan'izy ireo hanao ratsy. 23 Hoy izy ireo tamiko hoe: 'Hanamboary andriamanitra hialoha lalana anay izahay. Fa raha ny amin'iny Mosesy iny, ilay lehilahy izay nitondra anay niakatra avy any amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.' 24 Ka hoy aho tamin'izy ireo hoe: 'Na iza na iza manana volamena, dia aoka izy hanala izany.' Nomen'izy ireo ahy ny volamena dia natsipiko tao anaty afo izany, ary avy amin'izany no nahazoana ity ombikely ity." 25 Hitan'i Mosesy fa nanao fitondran-tena tsy mendrika ireo vahoaka (satria navelan'i Arona hioha-pefy izy ireo, namela ireo fahavalon'izy ireo haneso azy ireo). 26 Avy eo Mosesy nijoro teo amin'ny fidirana mankao amin'ny toby ka nanao hoe: "Na iza na iza miaraka amin'i Yaveh, dia mankanesa ety amiko." Nitangorona nanodidina azy ireo Levita rehetra. 27 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Yaveh, Andriamanitr'Israely, dia nilaza hoe: 'Aoka ny olona tsirairay hanao ny sabatrany ho eo am-balahany ary hivezivezy eo amin'ny isam-baravarana manerana ny toby, ka hamono ny rahalahiny, ny sakaizany ary ny namany aminy.'" 28 Nataon'ireo Levita izay nandidian'i Mosesy. Tamin'io andro io dia teo amin'ny telo arivo olona no maty. 29 Hoy Mosesy tamin'ireo Levita hoe: "Anio dia natao ho mpanompon'i Yaveh ianareo, satria namono ny zanany lahy sy ny rahalahiny ny tsirairay aminareo, mba hanomezan'i Yaveh fitahiana ho anareo anio." 30 Ny ampitson'iny dia hoy Mosesy tamin'ireo vahoaka hoe: "Nanao fahotana lehibe tokoa ianareo. Ankehitriny dia hiakatra ho any amin'i Yaveh aho. Angamba mety afaka mitondra fanavotana amin'ny fahotanareo aho." 31 Dia niverina tany amin'i Yaveh i Mosesy ka nanao hoe: "Indrisy! Nanao fahotana lehibe ireto vahoaka ireto ary nanamboatra sampy vita tamin'ny volamena ho an'ny tenan'izy ireo. 32 Nefa ankehitriny, avelao re ny fahotan'izy ireo; fa raha tsy izany, dia esory ao amin'ny boky izay nosoratanao ny anarako." 33 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Na iza na iza nanota tamiko, dia ho esoriko ao anatin'ny boky ny anaran'izany olona izany. 34 Koa mandehana ankehitriny, tariho ho any amin'ny toerana izay efa nolazaiko anao ny vahoaka. Indro, hialoha anao ny anjeliko. Fa amin'ny andro hamaizako azy ireo, dia ho faiziko nohon'ny fahotany izy ireo." 35 Avy eo Yaveh nandefa loza teo amin'ireo vahoaka satria izy ireo nanamboatra ilay ombikely, izay nataon'i Arona.
Eto ny fahatakaran-javatra dia resahina toy ny hoe hita izany. DH: "fantatry ny vahoaka"
Ny teny hoe "avia" dia manamafy ny herin'ny didy manaraka izany. Nangataka an'i Arona mba hanao sampy ho azy ireo ny vahoaka.
"tariho izahay" na "aoka mba ho mpitarika anay"
Ny teny hoe "izany" dia manondro ireo kavina volamena.
Io dia manondro ny vahoaka rehetra izay nandà an'i Mosesy ho mpitarika azy ireo ary ny Andriamanitr'i Mosesy ho Andriamanitr'izy ireo.
Nanempo volamena i Arona ary namolavola izany mba hahazo endrika zanak'omby. Rehefa nihamafy ny volamena, dia nalany ny famolavolana, ary ilay volamena mafy dia niendrika zanak'omby.
"Rehefa nahita izay nataon'ny vahoaka i Arona"
"manao fankalazana ratsy". Nitondra-tena tahaka ny fomban'ny janga tamin'ny fety ny vahoaka.
Eto ny vahoaka tsy mankatoa izay nandidiany azy ireo dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe niteny azy ireo mba handeha amin'ny lala-marina sy hiala amin'izany lalana izany Izy. DH: "nijanona nanao izay nandidiako azy ireo mba hataony" na "efa nitsahatra nankatoa izay nandidiako azy ireo mba hatao"
"Nanao sarivongana volamena niendrika zanak'omby ho azy izy ireo''
Eto i Yaveh dia mampitaha ny fahalalana ny vahoaka amin'ny fahitana azy ireo. DH: "Fantatro ity vahoaka ity''
Ny olona mafy loha dia resahin'i Yaveh toy ny hoe mafy hatoka izy ireo. DH: "olona mafy loha"
Ny teny hoe "koa" eto dia nampiasaina mba hanamarika fihatoana amin'izay lazain'i Yaveh amin'i Mosesy. Eto i Yaveh dia milaza izay hataony amin'ny vahoaka.
Ny hatezerany dia resahin'i Yaveh toy ny hoe afo izay afaka mirehitra be. DH: "Ny hatezerako amin'izy ireo dia ho loza" na "Tezitra be amin'izy ireo Aho" (UDB)
Ny teny hoe "aminao" dia manondro an'i Mosesy.
Nampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hiezaka handresy lahatra an'i Yaveh mba tsy ho tezitra mafy amin'ny vahoakany. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Aza avela hirehitra amin'ny vahoakanao ny hatezeranao" na "Aza tezitra loatra amin'ny vahoakanao"
Ireo andianteny ireo dia mitovy dika ihany ary nampiarahina mba hanindriana.
Eto ny teny hoe "tanana'' dia manondro ireo zavatra nataon'i Yaveh. DH: "sy ny herin'ireo zavatra nataonao"
Manohy mandresy lahatra an'Andriamanitra mba tsy hamotika ny Israely i Mosesy.
Nampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hiezahana handresy lahatra an'Andriamanitra mba tsy handrava ny olony. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: Raha mamotika ny vahoakanao Ianao, dia mety hilaza ireo Egyptiana hoe: 'Notarihiny hivoaka izy ireo...mba hamotehina azy ireo hiala amin'ny tany'.
"amin'ny velaran'ny tany'' na "amin'ny tany"
"Atsaharo ny fahatezeranao mirehitra" na "Aza tezitra be intsony"
Ny fahatezeran'Andriamanitra dia resahin'i Mosesy toy ny hoe afo izay nandoro izany. DH: "ny hatezeranao lehibe"
"Tadidio i Abrahama" na "Eritrereto ny momba an'i Abrahama''
"nanao fianianana" na "nampanantena mafy''
Ny momba ny fananan'izy ireo tany dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe handova izany izy ireo. DH: "Hahazo izany mandrakizay izy ireo"
Ireo dia vato fisaka roa izay nisokiran'Andriamanitra ireo didiny.
Ireo dia andianteny ireo dia mitovy dika. Ny faharoa dia manazava hoe ireo vato fisaka dia "asan'Andriamanitra mihitsy".
Izany dia heverina fa nihaona tamin'i Mosesy i Josoa raha niverina tany an-toby izy ireo.
"ireo vato fisaka roa izay nanoratan'i Yaveh"
DH: "Dia nanontany an'i Arona izay ataon'ny vahoaka aminy i Mosesy, fa efa nitondra fahotana lehibe tahaka izany tamin'izy ireo izy"
Ny nampanotana ny vahoaka dia resahin'i Mosesy toy ny hoe zavatra ny fahotana la nametraka izany tamin'izy ireo i Arona. DH: "efa nahatonga azy ireo hanota indrindra ianao"
Ny hatezeran'i Mosesy dia resahin'i Mosesy toy ny afo izay afaka mandoro. "Aza tezitra loatra"
Ny hoe voatondro hanao ratsy dia resahina toy ny hoe marisika hanao ratsy. DH: "voatondro hanao izay ratsy izy ireo"
Maneho tsy fanajana amin'ny fanasiana ny teny hoe "iny" alohan'ny anarany ny vahoaka, tahaka ny hoe olona izay tsy fantatr'izy ireo sy tsy azony itokiana i Mosesy.
DH: "Koa nolazaiko tamin'izy ireo fa na iza na iza nanana volamena dia tokony hanala izany"
Raha tokony hoe maka fananana amin'ny fanaovana ombikely, dia milaza i Arona fa nivoaka avy tao amin'ny afo tamin'ny fomba tsy takatry ny saina ny ombikely
"mitondra tena tsy mendrika" na "tsy nahafehy ny tenan'izy ireo"
DH: "Dia nijoro teo amin'ny fidirana mankao an-toby i Mosesy ary niteny fa izay rehetra miaraka amin'Andriamanitra dia tokony mankeo aminy"
Ny tsy fivadihana amin'i Yaveh dia resahin'i Mosesy toy ny hoe miaraka amin'Andriamanitra. DH: "Na iza na iza tsy mivadika amin'i Yaveh" na "Na iza na iza manompo an'i Yaveh"
"mivoaka miditra amin'ny fidirana iray ao an-toby hankao amin'ny fidirana iray hafa"
"3000 olona"
Io dia mety midika hoe "Efa nofidiana mba hanompo an'i Yaveh ianareo" na "Efa tonga mpanompon'i Yaveh ianareo."
Ny nanaovan'izy ireo izany tami-pankatoavana an'Andriamanitra dia afaka ambara mazava. DH: "satria nankatoa an'i Yaveh ianareo ka namono ireo zanakareo sy ireo rahalahinareo"
Nanompo sampy izy ireo.
Ny fandresen-dahatra an'Andriamanitra mba hamela ny olona dia resahin'i Mosesy toy ny hoe afaka mitondra fanavotana noho ny otan'izy ireo. DH: "Angamba afaka mandresy lahatra an'i Yaveh mba hamela anareo aho"
Ny teny hoe "aho" eto dia manondro ny anaran'i Mosesy. DH: "fafao amin'ny boky ny anarako"
Izay nosoratan'Andriamanitra tao amin'ny boky dia afaka ambara mazava. DH: "ny boky izay nanoratanao ny vahoakanao" (UDB)
Ny andianteny hoe "izany olona izany" dia manondro ny hoe "izany anaran'olona izany". DH: "Hamafa ny anaran'izany olona izany amin'ny bokiko Aho"
Io dia manondro ny bokin'i Yaveh izay noresahin'i Mosesy ao amin'ny 32:30.
Amin'ny andro izay hanapahan'Andriamanitra hevitra ny hanasazy azy ireo, dia hazava fa Andriamanitra no mitsara azy ireo.
Ireo areti-mandringana ireo dia mety aretina tena mandoza. DH: "Nataon'i Yaveh narary mafy ny vahoaka"
Na dia nanao ilay ombikely aza i Arona, dia ho meloka ihany koa ny vahoaka satria niteny an'i Arona mba hanamboatra izany izy ireo. DH: "notenenin'izy ireo mba hanao ombikely i Arona"
1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Mialà teto, ianao sy ireo olona izay nentinao nivoaka ny tany Egypta. Mandehana any amin'ny tany izay nanaovako fianianana tamin'i Abrahama, tamin'i Isaka, ary tamin'i Jakoba, rehefa niteny Aho hoe: 'Homeko ho an'ireo taranakao ity.' 2 Haniraka anjely eo anoloanao Aho, ary Izaho handroaka ireo Kananita, Amorita, Perisita, Hivita, ary Jebosita. 3 Mandehana any amin'izany tany izany, izay hikorianan'ny ronono sy tantely, fa tsy hiakatra hiaraka aminareo Aho, satria vahoaka mafy loha ianareo. Mety handringana anareo eny an-dalana aho." 4 Rehefa ren'ny vahoaka ireo teny nanahiran-tsaina ireo, dia nalahelo izy ireo, ary tsy nisy niambozona firavaka intsony. 5 Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: "Lazao amin'ireo Israelita hoe: 'Vahoaka mafy loha ianareo. Raha mandeha eo aminareo Aho na dia fotoana iray aza, dia handringana anareo Aho. Koa ankehitriny, esory ireo firavakareo mba hahafahako manapa-kevitra amin'izay tokony hatao aminareo.'" 6 Dia tsy niravaka firavaka ireo Israelita avy tany an-tendrombohitr'i Horeba. 7 Nandray lay i Mosesy ary nanorina izany ivelan'ny toby, lavidavitra kely ny toby. Nantsoiny hoe ny trano lay fihaonana izany. Ireo rehetra izay nangataka zavatra tamin'i Yaveh no mivoaka ka mankao amin'ny trano lay fihaonana, ivelan'ny toby. 8 Rehefa hivoaka avy ao amin'ny lay Mosesy, dia nijoro teo amin'ny fidirana ao amin'ny lainy avy ireo vahoaka ary nitazana an'i Mosesy mandra-pidirany ao anatiny. 9 Isaky ny niditra ny lay i Mosesy, dia nidina ny andry rahona ary nitsangana teo amin'ny fidirana ao amin'ny lay, dia niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh. 10 Isaky ny mahita izany andry rahona izany eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay ny vahoaka, dia niarina ary nanompo, ny olona rehetra isaky ny fidirana ao amin'ny lainy avy. 11 Yaveh dia niresaka nifanatri-tava tamin'i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin'ny sakaizany. Dia niverina tany an-toby i Mosesy, fa i Josoa mpanompony zanak'i Nona, izay zatovo, dia nijanona tao amin'ny lay. 12 Hoy i Mosesy tamin'i Yaveh: "Indro, Ianao nilaza tamiko hoe: 'Ento mandia ireo olona ireo,' nefa Ianao tsy namela ahy hahafantatra hoe iza no hirahinao hiaraka amiko. Niteny Ianao hoe: 'Izaho mahalala anao amin'ny anarana, ary nahita fitia teo imasoko koa ianao.' 13 Ankehitriny raha nahita fitia teo imasonao ary aho, asehoy ahy ny lalanao mba hahafahako mahafantatra Anao ary hanohy hila fitia eo imasonao. Tsarovy fa vahoakanao ity firenena ity." 14 Yaveh namaly hoe: "Ny fanatrehako mihitsy no hiaraka aminao, ary Izaho hanome anao fitsaharana." 15 Hoy Mosesy taminy: "Raha tsy miaraka aminay Ianao, dia aza esorinao eto izahay. 16 Fa raha tsy izany, ahoana moa no hahafantarana fa nahita fitia teo imasonao aho, izaho sy ireo vahoakanao? Moa ve tsy ny handehananao miaraka aminay ihany no mampiavaka ahy sy ireo vahoakanao amin'ny firenena rehetra izay eto ambonin'ny tany?" 17 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Hataoko ihany koa izany zavatra nangatahinao izany, fa nahita fitia teo imasoko ianao, ary mahalala anao amin'ny anarana aho." 18 Hoy i Mosesy: "Mba asehoy ahy re ny voninahitrao." 19 Hoy Yaveh: "Ampandaloviko eo anatrehanao ny fahatsarako rehetra, ary Izaho hanambara ny anarako 'Yaveh' eo anatrehanao. Hiantra izay hiantrako aho, ary haneho famindram-po amin'izay hanehoako famindram-po." 20 Fa hoy Yaveh: "Mety tsy hahita ny tavako ianao, satria tsy misy afaka mahita Ahy ka ho velona." 21 Hoy Yaveh: "Indro, ity ilay toerana eto akaikiko; hitsangana ambonin'io vatolampy io ianao. 22 Raha mbola mandalo ny voninahitro, dia apetrako an-tsefaky ny vatolampy ianao ary horakofako ny tanako ianao mandra-pandaloko. 23 Dia ho esoriko ny tanako, ary hahita ny ivohoko ianao, fa tsy ho hita kosa ny tavako."
Manohy miresaka amin'i Mosesy ny amin'ny hatezerany i Yaveh.
Ny tany dia tsara hiompiana biby fiompy sy hampaniriana vokatra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 3:7. DH: "tany izay tsara tokoa hiompiana biby fiompy sy hambolena vokatra"
"feno ny" na 'betsaka ny"
Satria ny ronono dia mivoaka avy amin'ny omby na osy, dia manondro sakafo vokarin'ny biby fiompy izany. DH: "sakafo avy amin'ny biby fiompy"
Satria ny tantely dia vokatra avy amin'ny voankazo, dia manondro sakafo avy amin'ny vokatra izany. DH: "sakafo avy amin'ny vokatra"
"olona izay tsy mety miova"
fitafiana tsara tahaka ny rojo sy peratra misy firavaka
"olona tsy mety miova". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 33:1.
Nanana endrika andry ny rahona. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:19. DH: "rahona miendrika rahona"
Ny hoe izay nidina dia azo ambara mazava. DH: "nidina avy any an-danitra"
Ny firesahana mivantana fa tsy amin'ny nofy sy fahitana, dia resahina toy ny hoe nifankahita tava Andriamanitra sy i Mosesy rehefa miresaka. DH: "Miresaka mivantana amin'i Mosesy i Yaveh"
efa lehibe azo atao miaramila (17:8), nefa mbola tanora noho i Mosesy
"Jereo!" na "Henoy!" na "Tandremo izay holazaiko Anao."
Ny mahafantatra olona amin'ny anarany dia mahafantatra azy ireo tsara. DH: "Fantatro tsara ianao"
Io dia anisan'izay nolazain'Andriamanitra tamin'i Mosesy. DH: "Ankasitrahiko ianao" na "Mankasitraka anao Aho"
Io dia anisan'izay nolazain'i Mosesy an'Andriamanitra. DH: "Ankehitriny raha ankasitrahinao aho" na "Ankehitriny raha mankasitraka ahy Ianao"
Ireo mety ho heviny dia: 1) "asehoy ahy izay hataonao amin'ny hoavy" na 2) "asehoy ahy ny fomba ahafahan'ny olona manao izay ankasitrahinao".
Ny fanatrehan'Andriamanitra dia manondro ny tenany. DH: ''handeha Aho"
Ny teny hoe "aminao", "anao" eto dia manondro an'i Mosesy.
"avelako hitsahatra ianao"
"Fa raha tsy miaraka aminay ny fanatrehanao"
DH: "ahoana no ahafantaran'ny vahoaka"
Nampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hanindriana fa raha tsy miaraka amin'izy ireo Andriamanitra, dia tsy hisy na iza na iza ahalala fa efa nahita fitia teo imason'Andriamanitra i Mosesy. DH: "tsy hisy na iza na iza hahafantatra...vahoaka".
"Tsy ho fantatra ihany ve raha"
Rehefa mampiasa ny teny hoe "ianao" i Yaveh amin'ity andininy ity, dia manondro an'i Mosesy izany.
Io dia sarinteny izay midika fa mankasitraka azy Andriamanitra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 33:12. DH: "Mankasitraka anao Aho" na "Ankasitrahako ianao"
Ny mahalala olona amin'ny anarana dia mahalala azy ireo tsara. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 33:12. DH: "Fantatro tsara ianao"
Ny fandalovana amin'i Mosesy mba ahafahan'i Mosesy mahita ny fahatsarany dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe ny fahatsarany ihany no handalo an'i Mosesy. DH: "Handalo aminao Aho mba ahafahanao mahita ny fahatsarako"
"Jereo" na "Henoy" na "Tandremo izay holazaiko anao".
Izany dia satria hiala eo amin'i Mosesy i Yaveh.
DH: "nefa tsy ho hitanao ny tavako"
1 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Manamboara vato fisaka roa tahaka ireo voalohany. Hosoratako ao ireo teny izay tao anatin'ny vato fisaka voalohany, dia ireo vato izay novakianao. 2 Mivonona mandra-maraina ary miakara any an-tendrombohitr'i Sinay, dia asehoy amiko eo an-tampon-tendrombohitra ny tenanao. 3 Tsy hisy olona hiara-hiakatra aminao. Koa aza avela hisy olon-kafa ho hita eny an-tendrombohitra. Aoka tsy hisy na biby fiompy na omby aza hiraoka eo anoloan'ny tendrombohitra." 4 Dia namboarin'i Mosesy ireo vato fisaka roa tahaka ireo voalohany, ary nifoha maraina izy ka lasa niakatra tany an-tendrombohitra Sinay, araka ny nandidian'i Yaveh azy. Ary nentin'i Mosesy teny an-tanany ireo vato fisaka. 5 Dia nidina tao amin'ny rahona Yaveh ka nitsangana niaraka tamin'i Mosesy teo, ary nanonona ny anarana hoe "Yaveh" izy. 6 Dia nandalo teo anoloany Yaveh ka nanambara hoe: "Yaveh, Yaveh, Andriamanitra dia mamindra fo sy miantra, mahari-po, sy feno fahatokiam-panekena sy fahamendreham-pitokisana, 7 mitazona ny tsy fivadiham-panekena hatramin'ny taranaka arivo mifandimby, mamela heloka, fahadisoana, ary fahotana Izy. Kanefa hanadio izay meloka Izy. Hamaly ny helok'ireo ray amin'ireo zanaka Izy sy amin'ireo zanak'ireo zanaka, hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra." 8 Dia nanondrika haingana ny lohany tamin'ny tany i Mosesy ka nivavaka. 9 Ka hoy izy hoe: "Ankehitriny raha nahita fitia teo imasonao aho, Tompoko, mba mandehana eo afovoanay, fa mafy hatoka ireo olona ireo. Mamelà ny helokay sy ny fahotanay, ary raiso ho lovanao izahay." 10 Dia hoy Yaveh hoe: "Indro, hanao fanekena Aho. Ka eo anatrehan'ny olonao rehetra, dia hanao zava-mahagaga izay tsy mbola natao tamin'ny tany rehetra na firenena Aho. Hahita ireo asako ny olon-drehetra ao aminao, fa zavatra mampatahotra no hataoko miaraka aminao. 11 Ankatoavy izay nandidiako anao androany. Horoahiko hiala tsy ho eo anatrehanareo ireo Amorita, Kanananita, Hetita, Perizita, Hivita, ary ireo Jebosita. 12 Koa mitandrema mba tsy hanao fifanekena amin'ny mponina any amin'ny tany izay alehanao ianao, fandrao lasa fandrika eo aminareo izany. 13 Nefa kosa, ravao ireo alitarany, torotoroy ireo tsangam-batony, ary poteho ireo bao Aserahan'izy ireo. 14 Ary ianao tsy hanompo Andriamanin-kafa, fa Yaveh, izay manana anarana hoe Saropiaro, dia Andriamanitra saro-piaro. 15 Koa mitandrema mba tsy hanao fifanekena amin'ny mponina ao amin'ny tany, satria izy ireo mivarotra ny tenany amin'ireo andriamaniny, ary manao sorona ho an'ireo andriamaniny izy ireo. Ka ny iray amin'izy ireo hanasa anao, dia hihinana ny sasany amin'ny sorony ianao, 16 ary na dia haka ny sasany amin'ireo zanany vavy ho an'ireo zanakao lahy aza ianao, dia mbola hivarotra ny tenany amin'ireo andriamaniny ihany ireo zanany vavy, ary hampijangajanga ireo zanakao lahy amin'ireo andriamaniny. 17 Aza manao andriamanitra voavolavola amin'ny vy ho anao. 18 Aoka ho tandremanao ny Firavoravoan'ny Mofo Tsy misy Masirasira. Araka ny nandidiako anao, hafitoana no hinananao ny mofo tsy misy lalivay amin'ny fotoana raikitra amin'ny volana Abiba, satria tamin' ny volana Abiba no nivoahanareo avy tany Egypta. 19 Ireo lahimatoa rehetra dia Ahy, eny na dia ny lahimatoa rehetra amin'ireo biby fiompinao aza, ny omby sy ireo ondry. 20 Koa tsy maintsy hiverina hividy ny apondra sy ny ondry ianao, ka rehefa tsy haverinao vidiana izany, dia hofolahinao ny vozony. Tsy maintsy haverinao vidiana ireo lahimatoan'ireo zanakao lahy. Ary aoka tsy hisy olona hiseho eo anoloako amin-tanam-polo 21 Mety hiasa mandritry ny enina andro ianao, fa amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy mitsahatra ianao. Eny na dia amin'ny taom-pamafazana sy taom-pijinjana aza, dia tsy maintsy mitsahatra ianao. 22 Tsy maintsy hitandrina ny Herinandron'ny Firavoravoana amin'ny fanaterana ny voaloham-bokatra amin'ny fijinjam-bary ianao, ary tsy maintsy hitandrina ny Andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny fiafaran'ny taona ianao. 23 Tsy maintsy hiseho intelo isan-taona eo anatrehan'ny Tompo Yaveh ny lehilahinao rehetra, dia ny Andriamanitry ny Israely. 24 Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ary hanitatra ny sisin-taninao. Tsy hisy haniry ny hanana ny taninao ho azy rehefa miakatra miseho eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrao intelo isan-taona ianao. 25 Tsy hanolotra ràm-biby atao fanatitra miaraka amin'ny lalivay ianao, na hamela ny hena avy amin'ny fanatitra amin'ny andro Firavoravoan'ny Paska ho tra-maraina. 26 Tsy maintsy entinao ao an-tranoko ny tsara indrindra amin'ny voaloham-bokatra avy amin'ny sahanao. Ary ianao tsy hahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny." 27 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Soraty ao ireo teny ireo, fa Izaho hanao antoka ny tenako amin'ireo teny izay nolazaiko, ary efa nanao fanekena taminao sy Israely." 28 Niaraka tamin'i Yaveh efapolo andro sy efapolo alina tany Mosesy; tsy nisakafo na nisotro rano izy. Dia nosoratany tamin'ireo vato fisaka ireo teny fanekena, dia ny Didy folo. 29 Rehefa nidina avy any an-tendrombohitra Sinay niaraka tamin'ireo vato fisaka roa nisy ny didim-panekena teny an-tanany Mosesy, dia tsy fantany fa lasa namirapiratra ny hodi-tavany rehefa niresaka tamin'Andriamanitra. 30 Rehefa nahita an'i Mosesy i Arona sy ireo Israelita, dia namirapiratra ny hodi-tavany, ka natahotra ny hanakaiky azy izy ireo. 31 Fa Mosesy niantso azy ireo, ary Arona sy ireo mpitarika rehetra eo amin'ny fivondronana kosa niakatra nankeo aminy. Ary dia niresaka tamin'izy ireo Mosesy. 32 Taorian'izany, nanatona an'i Mosesy ny vahoakan'Israely rehetra, ary izy nanambara ireo didy izay nomen'i Yaveh azy tany an-tendrombohitra Sinay. 33 Rehefa vita ny resak'i Mosesy tamin'izy ireo, dia nasiany voaly ny tavany. 34 Na oviana na oviana no handehanan'i Mosesy eo anoloan'i Yaveh mba hiresaka aminy, dia nanala ny voaliny izy, mandra-pivoahany. Ary rehefa nivoaka izy, dia nilaza tamin'ireo Israelita izay nandidiana azy ho lazainy. 35 Rehefa hitan'ny Israelita ny famirapiratan'ny tavan'i Mosesy, dia nasarony ny tavany indray ny voaly madra-piveriny ao mba hiresaka amin'i Yaveh.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:18
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Ny fanaovan-javatra dia ny fanaovana izany. DH: "Aza avela hisy olon-kafa ho eo amin'ny tendrombohitra"
"Na dia ireo biby fiompy na ireo omby aza dia tsy azo avela hanantona ny tendrombohitra mba hihinana".
"nijoro niaraka tamin'i Mosesy tao an-tendrombohitra"
Ireo mety ho heviny dia 1) "niteny ny anaran'i Yaveh izy" na 2) "nambarany hoe iza i Yaveh". Ho an'ilay dikany faharoa, ny "anarana" dia manondro hoe iza Andriamanitra.
Miresaka ny momba Azy Andriamanitra. DH: "Izaho, Yaveh, no Andriamanitra, ary mamindra fo sy malemy fanahy Aho"
"maneho fahatokiam-mpanekena sy fahamendreham-pitokiana lalandava"
"mahatoky amin'ny fanekeko lalandava". Jereo ny nandikanao io andianteny io ihany ao amin'ny 2O:4.
"mahatoky lalandava"
Miresaka momba ny tenany i Yaveh. DH: "Nefa ho Aho"
Miresaka momba ny tenany i Yaveh. DH: "Tsy mba hanadio ny meloka Aho"
"tsy hanadio ny meloka tokoa" na "tsy hiteny mihitsy fa tsy manan-tsiny ny meloka" na "tsy hanafaka mihitsy ny olo-meloka"
Ny fanasaziana olona dia resahina toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona entina ny sazy. DH: "Hanasazy ny zanaka noho ny fahotan'ny rainy Izy"
Ny teny hoe "zanaka" dia manondro ireo taranaka. DH: "ny taranak'izy ireo"
Ny fankasitrahana olona dia resahina toy ny hoe mahita fitia eo imasony. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 33:12. DH: "Ankehitriny raha nankasitraka ahy Ianao" na "Ankehitriny raha ankasitrahinao Aho"
Ireo teny hoe "heloka" sy "fahotana" dia midika zavatra mitovy ihany amin'ny ankapobeny ary nampiarahina mba hanindriana. DH: "ireo fahotanay rehetra"
Ny zavatra izay ananan'ny olona mandrakizay dia resahina toy ny hoe zavatra izay nolovain'izy ireo. DH: "raiso ho vahoaka izay anao mandrakizay izahay" na "ekeo ho vahoaka izay anao mandrakizay izahay" (UDB)
Eto ny hoe "-nao'' dia manondro an'i Mosesy.
Ny zavatra mampatahotra dia zavatra izay mahatonga ny olona hatahotra. Amin'izany, dia hatahotra an'Andriamanitra ny olona rehefa mahita izay ataony izy ireo. DH: "izay ataoko aminareo dia hahatonga ny olona hatahotra Ahy"
Eto ny hoe "aminao" dia manondro an'i Mosesy sy ny vahoakan'ny Israely.
Manohy miresaka amin'i Yaveh i Mosesy. Eto dia milaza aminy izay tsy maintsy ataon'i Mosesy sy ny vahoaka Izy.
Ny olona izay maka fanahy ny hafa mba hanota dia resahina toy ny hoe fandrika izy ireo. DH: "haka fanahy anareo mba hanota izy ireo"
Ny teny hoe "anarana" dia manondro ny toetran'Andriamanitra. DH: "Izaho, Yaveh, izay saropiaro lalandava" na "Izaho, Yaveh, dia saropiaro"
Ny teny hoe "Saropiaro" eto dia midika fa niahy ny mba hitazona ny voninahiny Andriamanitra. Raha manompo andriamani-kafa ny vahoakany, dia very voninahitra Izy, satria rehefa tsy manome voninahitra Azy ny vahoakany, dia tsy hanome voninahitra Azy ihany koa ny olon-kafa. DH: "Izaho, Yaveh, dia miaro ny voninahitro hatrany"
Manohy miteny an'i Mosesy ny fomba tokony hitondran'ny vahoakany tena amin'ireo avy any ivelany i Yaveh.
Ny olona manompo andriamani-kafa dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe mpijangajanga mankany amin'ny lehilahy hafa izy ireo. DH: "fa manompo andriamani-kafa izy ireo" na "satria manompo andriamani-kafa tahaka ny mpijangajanga izay mankany amin'ny lehilahy hafa izy ireo"
Ny vokatry ny fihinana sakafo izay natao sorona ho an'ny andriamani-kafa dia azo ambara mazava. DH: "ary hihinana ny sasany amin'ny sorony ianareo ka ho lasa meloka noho ny fanompoana ny andriamaniny" na "ary hijangajanga amin'ny andriamaniny amin'ny fihinanana ny sasany amin'ny sorony ianareo"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"7 andro"
Io dia anaran'ny volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Abiba dia mandritra ny tapany farany amin'ny Martsa sy ny tapany voalohany amin'ny Aprily amin'ny tetiandro Tandrefana. Jereo ny nandikanao ny hoe "Abiba'' ao amin'ny 13:3.
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo lalàny amin'ireo vahoakan'ny Israely i Yaveh.
An'i Yaveh ny lahimatoa sy ny voalohan-teraky ny ampondra, fa tsy tian'i Yaveh hatao sorona ho Azy ireo. Fa kosa, tokony hanao sorona zanak'ondry ho solon'ireo ny Israelita. Izany dia hamela ireo Israelita mba hanolo ireo ampondra sy ireo zanaka lahy amin'i Yaveh.
Ny fanatitra dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe tokony hilanja izany eny an-tanany ny olona. DH: "Tsy hisy olona afaka hankeo Amiko tsy miaraka amin'ny fanatitra" na "Ny olona rehetra izay mankeo Amiko dia tsy maintsy mitondra fanatitra ho Ahy"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"Na dia rehefa mikarakara ny tany na manangom-bokatra aza ianao"
Io firavoravoana io dia fantatra amin'ny hoe Firavoravoan'ny Fialofana na Firavoravoan'ny Trano heva ihany koa. Avy amin'ny fomban'ireo mpamboly mipetraka amin'ny trano heva tsy maharitra, na trano bongo, ivelan'ny saha mba hiambina ny vokatra rehefa masaka io hevitra io. Ny teny hoe "Fanangonana" dia midika hoe rehefa mijinja ny vokatra izy ireo.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Ny hoe rà izay mivoaka avy amin'ny biby dia azo ambara mazava. DH: "ny ràm-biby izay nataonao sorona ho Ahy"
Ny antony tsy hanasiana lalivay amin'ny mofo dia azo ambara mazava. DH: "amin'ny mofo iza misy lalivay"
"teo an-tendrombohitra i Mosesy"
"40 andro"
"nandritra ny efapolo andro, dia andro sy alina"
"nosoratan'i Mosesy''
"nanomboka nanjelatra"
"nanakaiky azy" na "nankeo aminy". Tsy niakatra teny an-tendrombohitra izy ireo.
Ny filazana ireo didy dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka omena ireo didy. DH: "ireo didy rehetra izay efa nolazain'i Yaveh azy" na "ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh azy ireo"
"nanala i Mosesy"
DH: "izay nandidian'i Yaveh azy"
1 Nampivory ireo mponin'ny Israelita rehetra Mosesy ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Ireto ny zavatra izay nandidian'i Yaveh ho ataonareo. 2 Andro enina no afaka anaovana ny asa, fa ho anareo, ny andro fahafito dia ho andro masina, andro Sabatan'ny fitsaharana feno, sy masina ho an'i Yaveh. Na iza na iza miasa amin'izany andro izany dia hovonoina ho faty. 3 Aoka tsy handrehitra afo any amin'ny tranonareo ianareo amin'ny andro Sabata." 4 Niteny tamin'ireo fivondronan'ny Israelita rehetra Mosesy, nanao hoe: "Izao no zavatra nandidian'i Yaveh. 5 Makà fanatitra ho an'i Yaveh, ianareo rehetra izay manana fahavononam-po. Mitondrà fanatitra ho an'i Yaveh—volamena, volafotsy, varahina, 6 manga, volomparasy, ary volon'ondry jaky sy rongony fotsy madinika; volon'osy; 7 hoditr'ondry lahy miloko mena sy hodi-dogaona; hazo akasia; 8 menaka atao amin'ny fanaovan-jiro masina, hanitra ho an'ny menaka fanosorana ary ditin-kazo manitra, 9 vato berila sy vato sarobidy hafa apetraka ho amin'ny efoda sy ny saron-tratra. 10 Ny lehilahy rehetra izay manana fahaizana eo aminareo dia ho avy ka hanao ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh— 11 ny tabernakely mbamin'ny lainy, ny sarony, ny varangony, ny rafitrany, ny barany, ny tsangatsangany, ary ny faladiany; 12 ary koa ny fiara mbamin'ny baony, ny sarom-panavoatana ary ny lamba hanafenana azy. 13 Nentin'izy ireo ilay latabatra mbamin'ny baony, ny fanaka rehetra ao aminy, ary ny mofon'ny fanatrehana; 14 ny fanaovan-jiro ho an'ireo hazavana, mbamin'ny fitaovana amin'izany, ireo jirony, ary ny solika ho an'ireo jiro; 15 ny alitara fandoroana miaraka amin'ireo baony, ny menaka fanosorana sy ny ditin-kazo manitra; ny fefy lamba ho an'ny fidiran'ny tabernakely; 16 ny alitara ho an'ireo fanatitra dorana mbamin'ny makarakara varahin'izany sy ireo baony ary ireo fanaka; ary ny kovetabe sy ny faladiany. 17 Nentin'izy ireo ny fefy lamba ho an'ny kianja mbamin'ny tsangatsangany sy ny faladiany, sy ny lamba ho an'ny fidirana ao an-kianja; 18 ary ny fihantonan'ny lay ho an'ny tabernakely sy ny kianja, niaraka tamin'ireo tadiny. 19 Nitondra ireo akanjo voatenona madinika hanompoana teo amin'ny toerana masina izy ireo, ny akanjo masina ho an'i Arona mpisorona sy ireo zanany lahy, mba hanompoan'izy ireo ho mpisorona. 20 Avy eo dia nandao ary niala teo anatrehan'i Mosesy avokoa ireo fokon'ny Israely. 21 Dia tonga ireo olona rehetra izay voatariky ny fony sy ireo izay notarihin'ny fanahiny hanam-piniavana ary nitondra fanatitra ho an'i Yaveh ho an'ny fanamboarana ny tabernakely, ho amin'izay zavatra rehetra mety ampiasaina amin'izany, sy ho an'ireo akanjo masina. 22 Tonga izy ireo, na ny lehihahy na ny vehivavy, izay rehetra tsara sitrapo. Nitondra ireo fisisika, kavina, peratra, ireo firavaka, sy ireo karazana firavaka volamena rehetra izy ireo. Nanolotra fanatitra volamena ho fanatitra ahevaheva ho an'i Yaveh izy rehetra. 23 Ny olona rehetra izay nanana manga, volomparasy, na volon'ondry jaky, rongony fotsy madinika, volon'osy, hoditr'ondry lahy miloko mena, sy hodi-dogaona dia nitondra ireo. 24 Ny olona rehetra nanao fanatitra volafotsy na varahina dia nitondra izany ho fanatitra ho an'i Yaveh, ary ny olona rehetra izay nanana hazo akasia mety ampiasaina amin'ny asa dia nitondra izany. 25 Ireo vehivavy rehetra nanana fahaiza-manao dia namoly volon'ondry tamin'ny tanany ary nitondra izay voavoliny—manga, volomparasy, na volon'ondry jaky na rongony fotsy madinika. 26 Ireo vehivavy rehetra nentanin'ny fony sy ireo izay nanana fahaizana dia namoly volon'osy. 27 Ireo mpitarika dia nitondra vato beryla sy vatosoa hafa koa mba hatao ao amin'ny efoda sy ireo saron-tratra; 28 nitondra zava-manitra sy menaka ho amin'ny fanaovan-jiro, ho an'ny menaka fanosorana, ary ho an'ny ditin-kazo manitra izy ireo. 29 Dia nitondra fanati-tsitrapo ho an'i Yaveh ireo Israelita; ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay notarihin'ny fony dia nitondra fitaovana ho amin'ny asa rehetra izay nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy mba hatao. 30 Hoy Mosesy tamin'ireo Israelita hoe: "Indro, Yaveh niantso an'i Bezalila zanaka lahin'i Ory zanaka lahin'i Hora, avy amin'ny fokon'i Joda. 31 tamin'ny Fanahiny i Bezalila, mba hanome azy fahendrena, fahatakarana, ary fahalalana, amin'ireo karazana fanaovana tao-zavatra rehetra, 32 mba hanao asa kanto famoronana sy hiasa amin'ny volamena, volafotsy, ary varahina; 33 ary koa mba hanapaka sy hametraka ireo vato ary hisokitra ireo hazo—mba hanaovana ireo karazana asa famoronana rehetra sy fanaovana tao-zavatra. 34 Nataony tao am-pony mba hampianarana izany, dia izy sy Oholiaba zanaka lahin'i Ahisamaka, avy amin'ny fokon'i Dana. 35 Nameno azy ireo tamin'ny fahaiza-manao zavatra mba hanaovana ireo karazana asa rehetra izy, ho mpanao asa-tanana, ho mpanao asa sokitra, ary ho mpanao peta-kofehy amin'ny manga, ny volomparasy, ny volon'ondry jaky ary ny rongony fotsy madinika, ary ho mpanenona. Mpanao asa tanana amin'ny karazan'asa rehetra izy ireo, ary mpamorona asa kanto.
"andro laharana fahafito" na ''Sabotsy"
DH: "Tsy maintsy mamono ny olona izay miasa amin'izany andro izany"
Miteny ireo Israelita mba hanao ireo zavatra nandidian'i Yaveh azy ao amin'ny 25:3 i Mosesy.
"Makà fanangonana ho an'i Yaveh"
Eto ny hoe "fo" dia manondro ny olona mitondra fanatitra. DH: "ny olona rehetra izay maniry"
Manohy miteny amin'ny vahoaka izay nandidian'Andriamanitra azy ireo mba hataony i Mosesy.
"Ny lehilahy rehetra misy fahaizana"
Ny varango dia tafiditra amin'ny farango mba hihazonana ireo lamba miaraka. Jereo ny nandikanao ireo ao amin'ny 26:4.
Ireo dia zavatra mavesatra izay mijanona amin'ny tany ary mitazona zavatra mba hifikitra amin'izany mba hihetsika. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:31.
Io dia sarona izay mipetraka ambonin'ny fiara izay nanaovanan ny fanati-panavotana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:15.
"Nentin'ny vahoakan'ny Israely"
Io mofo io dia nanondro ny fanatrehan'Andriamanitra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:28.
Io dia bara varahina misadika hihazonana ny kitay rehefa mirehitra. Jereo ny nandikanao ny hoe "makarakara" ao amin'ny 27:3.
Ireo dia lamba lehibe vita amin'ny ravin-damba. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:36.
Ireo dia tapa-kazo mafy natao mahitsy ary nampiasaina mba atao fanohanana. Jereo ny nandikanao ireo ao amin'ny 27:9.
Ireo dia vongana izay misy bara mba hampipetraka ny takelaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:19.
tapa-kazo maranitra na vy nampiasaina mba hiarovana ireo zoron'ny lay amin'ny tany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:17.
Io dia akanjo vita tamin'ny kofehy tery rongony fotsy madinika izay notenonin'ny olona miaraka mba hanaovana kofehy matanjaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:6.
Io dia manondro ny vahoaka ao amin'ny foko. DH: "ny olona avy amin'ireo fokon'ny Israely"
Eto ny hoe ''fo" dia manondro olona. Ny fo izay namaly an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe rano voatariky ny tafio-drivotra. DH: "izay namaly an'Andriamanitra"
Eto ny hoe "fanahy'' dia manondro olona. DH: "izay naniry'' na "izay te"
Eto ny hoe "fo" dia manondro olona. DH: "ny olona rehetra izay naniry"
Ireo dia karazana firavaka samihafa.
Ho an'ny 35:23 jereo ny nandikanao ny ankamaroan'ireo teny ireo ao amin'ny 25:3.
Ireo mety ho heviny dia 1) "zavatra izay nolokoina manga, volomparasy, ary jaky", mety ho kofehy volon'ondry, na 2) "manga, volomparasy ary nolokoina jaky" mba handokoana rongony fotsy madinika. Jereo ny nandikanao io andianteny io ihany ao amin'ny 25:3.
Eto ny hoe "fo" dia manondro vehivavy. Ny fom-behivavy izay namaly an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe rano izay notarihin'ny tafio-drivotra izy ireo. DH: "izay namaly an'Andriamanitra"
Ho an'ny 35:27-29 jereo ny nandikanao ny ankamaroan'ireo teny ireo ao amin'ny 25:1 sy ao amin'ny 25:3.
Eto ny hoe "fo" dia manondro ny vahoaka. DH: "izay naniry"
Ny Fanahin'Andriamanitra izay nanome fahaizana an'i Bezalela mba hiasa eto dia resahina toy ny hoe zavatra izay nameno an'i Bezalela Izy.
Ho an'ny 35:30-33 jereo ny nandikanao ireo teny ireo ao amin'ny 31:1 sy ao amin'ny 31:3.
Manohy miresaka amin'ny vahoaka i Mosesy.
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Bezalela. Ny fahaizana mampianatra dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka apetraka ao am-po. DH: "Nomeny an'i Bezalela ny fahaizana hampianatra"
Ny fahaizana mamorona zavatra kanto dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka mameno olona izany. DH: "nahatonga azy ireo ho mahay tokoa"
"Oholiaba" sy "Ahisamaka" dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:6.
olona izay misikotra sary eo amin'ny zavatra mafy tahaka ny hazo, vato, na vy
olona izay manjaitra sary eo amin'ny akanjo
olona izay manam-pahaizana amin'ny fanaovan-javatra tsara amin'ny tanana
olona izay mamorona lamba amin'ny kofehy
olona izay mamorona zava-kanto
1 I Bezalila sy Oholiaba ary ireo olona manan-talenta rehetra izay efa nomen'i Yaveh fahaiza-manao sy fahakingana mba ahafantatra ny fomba fiasa amin'ny fanamboarana ny toerana masina dia nanao ny asa arak'izay rehetra nadidin'i Yaveh. 2 Nampanantsoin'i Mosesy i Bezalila, Oholiaba, ary ireo olona manan-talenta izay nomen'i Yaveh fahaiza-manao, ary izay nentanin'ny fony ho avy ka hanao ny asa. 3 Izy ireo dia nandray ireo fanatitra rehetra avy tamin'i Mosesy, izay nentin'ireo Isiraelita ho amin'ny fanamboarana ny toerana masina. Isa-maraina dia mbola nanome fanati-tsitrapo ho an'i Mosesy ireo olona. 4 Koa ireo olona manan-talenta rehetra niasa teo amin'ilay toerana masina dia niala tamin'ny asany izay nataony. 5 Ary nilaza tamin'i Mosesy ny mpanao asa tanana hoe: "Nitondra mihoatra noho izay ampy amin'ny fanaovana ny asa izay nandidian'i Yaveh ho ataonay ireo olona." 6 Koa Nanome baiko i Mosesy fa tsy tokony hisy hitondra fanatitra amin'ny fanamboarana ny toerana masina intsony ao amin'ny toby na iray aza. Ary nitsahatra nitondra fanomezana ireo olona. 7 Nanana fitaovana mihoatra noho izay ilaina amin'ny asa rehetra izy ireo. 8 Koa dia nanambotra tabernakely amin'ny lamba vita amin'ny rongony fotsy sy manga, volomparasy, sy volon'ondry jaky ary miendrika Kerobima ireo mpanao asa-tanana rehetra tao amin'izy ireo. Izany dia asan'i Bezalila, ilay mpanao asa-tanana tena mahay. 9 Ny halavan'ny lamba tsirairay dia valo ambin'ny folo hakiho, ary ny sakany dia efatra hakiho. Mitovy habe ireo lamba rehetra. 10 Natambatr'i Bezalila ny lamba dimy, ary ireo dimy hafa dia natambany ihany koa. 11 Nanao tadivaravarana manga teo amin'ny faran'ny sisin-damba tamin'ny sisiny anakiray efa voavitrany izy, ary nataony toy izany koa sisin-damba tamin'ny vitrana faharoa. 12 Nanao tadivararavarana dimam-polo tamin'ireo lamba voalohany izy ary dimampolo ny tadivaravarana eny amin'ny sisiny tamin'ny lamba faharoa voavitrana. Koa ireo tadivaravarana dia mifanadrify avy. 13 Nanao farango volamena dimam-polo izy ary nakambany niaraka tamin'izany ireo lamba mba hitambatra ho iray ny tabernakely. 14 Nanao lamba vita tamin'ny volon'osy i Bezalila ho lay handrakofana ny tabernakely; nahavita lamba iraika ambin'ny folo isa izy. 15 Ny halavan'ny lamba tsirairay dia telopolo hakiho, ary ny sakany lamba iray dia efatra hakiho. Mitovy habe ireo lamba iraika ambin'ny folo ireo. 16 Nakambany tsirairay ireo lamba dimy ary ny enina hafa dia nakambany manokana. 17 Nasiany tadivaravarana dimampolo tamin'ireo ambin-damba voavitrana voalohany, ary dimampolo tamin'ireo ambin-damba izay nakambany tamin' ireo vitrana faharoa. 18 Nahavita farango varahina dimampolo i Bezalila mba hanakambanana ny lay ho iray. 19 Nanamboatra fandrakofana vita amin'ny hoditr'ondry lahy miloko mena ho an'ny tabernakely, sy fandrakofana hafa vita amin'ny hoditra mba ho eo ambonin'izany izy. 20 Ary nanamboatra rafitra mitsangana vita amin'ny hazon'ny akasia i Bezalila ho amin'ny tabernakely. 21 Ny halavan'ireo zana-kazo tsirairay dia folo hakiho, ary ny sakan'ireo zana-kazo dia iray sy sasany hakiho. 22 Ny rafitra tsirairay avy dia misy zana-kazo roa mba hampikambana azy ireo miaraka. Nataony toy izany avokoa ireo rafitry ny tabernakely. 23 Dia nataony tahaka izao ireo rafitra rehetra ho an'ny tabernakely: rafitra roapolo ho an'ny ilany atsimo. 24 Nanao tongony volafotsy efapolo i Bezalila mba atao eo ambanin'ireo rafitra roapolo. Nisy faladiany roa tao ambanin'ny rafitra iray mba hampitambatra an'ireo rafitra rehetra, ary faladiany roa ihany koa ambanin'ireo rafitra tsirairay hafa mba hikambanan'ireo. 25 Ary ny ilany faharoan'ny tabernakely, teo amin'ny ilany avaratra, dia nasiany rafitra roapolo 26 sy faladiany volafotsy efapolo. Misy faladiany roa ambanin'ilay rafitra voalohany, faladiany roa no ambanin' ilay hazo fisaka manaraka, dia toy izay hatrany. 27 Nanamboatra rafitra enina i Bezalila ho an'ny lamosin'ny tabernakely andrefana. 28 Nasiany rafitra roa eny amin'ireo zorony tabernakely. 29 Ireo hazo fisaka ireo dia nisaraka avy ny ambany, fa nitambatra tamin'ny mason-drojo iray eny an-tampony. Nataony tahaka izany ny roa tamin'ireo ho an'ny zorony roa. 30 Ary nisy rafitra valo, niaraka tamin'ireo faladiany volafotsy. Enina ambin'ny folo ny isan'ireo faladiany, faladiany roa ambanin'ny rafitra voalohany, faladiany roa ambanin'ny rafitra manaraka, ary toy izany hatrany. 31 Nanao bara vita amin'ny hazo akasia i Bezalila—dimy ho an'ny rafitry ny ilan'ny tabernakely, 32 bara dimy ho an'ny rafitra amin'ny ilan'ny tabernakely hafa, ary bara dimy ho an'ny rafitra ao an-damosin'ny tabernakely miakandrefana. 33 Nataony teo anivon'ireo rafitra ilay bara, izany hoe, antenantenany ambony, mba hahatrarana ny farany roa. 34 Norakofany volamena ireo rafitra. Nanamboatra ny mason-drojon'ireo tamin'ny volamena izy, mba hampiasaina hihazonana an'ireo bara, ary norakofany tamin'ny volamena ireo bara. 35 Koa dia nanambotra lamba vita amin'ny rongony fotsy sy manga, volomparasy, sy volon'ondry jaky ary miendrika Kerobima, izay asan'ny mpanao asa-tanana za-draharaha i Bezalila. 36 Nanambotra andry vita amin'ny hazo akasia izy, ary norakofany volamena ireo. Nanao farangom-bolamena ho an'ireo andry ihany koa izy, ary nanefy faladiany volafotsy efatra ho an'ireo. 37 Nanamboatra fefy lamba ho an'ny fidirana amin'ny lay izy. Natao tamin'ny manga, volomparasy, ary volon'ondry jaky, tamin'ny fampiasana rongony fotsy madinika izany, izay asan'ny mpanao peta-kofehy. 38 Nanamboatra fefy lamban'ireo andry dimy tamin'ny farango ihany koa izy. Norakofany volamena ny tampon'ireo sy ireo fihatonany. Ireo faladiany dimy dia natao tamin'ny varahina.
Manohy miresaka amin'ny vahoaka i Mosesy.
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:1.
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:6.
Eto ny fahaiza-manao sy fahakingana dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka apetrak'i Yaveh ao anatin'ny olona.
"araka ny nandidian'i Yaveh mihitsy"
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:1.
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:6.
Eto ny hoe "saina" dia manondro ny olona izay nataon'i Yaveh mahay manao. DH: "izay nomen'i Yaveh fahaiza-manao"
Eto ny hoe "fo" dia manondro olona. Ny fo izay namaly an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe rano notarihin'ny tafio-drivotra. DH: "izay namaly an'Andriamanitra"
DH: "Nilaza tamin'i Mosesy ireo mpanao asa tanana fa nitondra mihoatra noho ny ampy amin'ny fanaovana ny asa izay nandidian'i Yaveh azy ireo mba hataony ny vahoaka"
"Niteny tamin'i Mosesy ireo lehilahy miasa ao amin'ny fitoerana masina"
Ho an'ny 38:8-10 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 26:1.
Ireo lamba ireo dia ravin-damba tenona sy nozairina hikambana mba ho afaka mihantona hahatonga rindrina na lay.
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:1.
Ho an'ny 36:11-13 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 26:1.
tadivavarana vita tamin'ny lamba manga
Io dia ravin-damba voatenona lehibe, mafy izay nampiasaina mba hanaovana fandrakofana sy hizarana ireo rindrin'ny tabernakely. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:1.
Eto ny hoe "izy" dia manondro an'i Bezalila, fa tafiditra ao amin'izany kosa ireo lehilahy miasa ao amin'ny fitoerana masina.
"farango volamena 50"
Ho an'ny 36:14-17 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 26:7 sy 26:10.
"nanao 11"
"30 hakiho"
"tadivavarana 50"
Ho an'ny 36:18-19 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 26:10 sy 26:12.
"farango varahina 50"
Ho an'ny 36:20-23 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 26:15.
"10 hakiho...1.5 hakiho"
Ny fanantonana vita amin'ny hazo dia tapa-kazo napetaka eo amin'ny faran'ny takelaka mba ho voaaro izany.
Ho an'ny 36:24-26 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 26:19.
"tongony 40"
"rafitra 20"
Dia hisy tongony roa ambanin'ny rafitra tsirairay rehetra.
Ho an'ny 36:27-28 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 26:22.
eo amin'ny lafiny izay any amin'ny andrefana
amin'ireo zorony eo amin'ny rirany aorian'ny tabernakely
Ho an'ny 36:29-30 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 26:22.
"faladiany 16 ny fitambarany"
Dia hisy faladiany roa ambanin'ny rafitra tsirairay rehetra.
Ho an'ny 36:31-34 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 26:26 sy ao amin'ny 26:29.
amin'ny lafiny andrefana
avy amin'ny lafiny amin'ny tabernakely ka hatramin'ny lafiny iray hafa
Ho an'ny 36:35-36 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 26:31.
Ho an'ny 36:37-38 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 26:36.
Eto ny hoe "izy" dia manondro an'i Bezalila sy ireo miasa ho azy. " Nataon'i Bezalila sy ireo lehilahiny"
lamba
1 Bezalila nanao ilay fiara tamin'ny hazo akasia. Roa hakiho sy sasany ny halavany; iray hakiho sy sasany ny velarany; ary iray hakiho sy sasany ny hahavony. 2 Nanarona izany tao anatiny sy tao ivelany izy niaraka tamin'ny volamena tsy miharo ary nanao izany ho sisim-bolamena manodidina ny tampony. 3 Nanefy mason-drojo volamena efatra izy ho an'ny tongony efatra, niaraka tamin'ny mason-drojo roa tamin'ny ilany iray, ary mason-drojo roa tamin'ny ilany hafa. 4 Nataony tamin'ny hazo akasia ny bao ary nanarona izany tamin'ny volamena izy. 5 Nametraka ilay bao tao amin'ny mason-drojo teo amin'ireo sisin'ny fiara izy, mba hilanjana ny sambo fiara. 6 Nanao saronam-panavotana volamena tsy miharo izy. Roa hakiho sy sasany ny halavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany. 7 Bezalila nanao kerobima volamena roa ho an'ny tendron'ny saronam-panavotana roa. 8 Ny kerobima iray dia ho an'ny tendron'ny saronam-panavotana iray, ary ny kerobima iray hafa dia ho an'ny tendron'ny saronam-panavotana iray hafa. Natao ho ampahany iray ihany ireo miaraka amin'ny saronam-panavotana. 9 Namelatra ireo elany ilay kerobima ary nanaloka ny saronam-panavotana niaraka tamin'ireo. Mifanatrika sy mitodika any afovoan'ny saronam-panavotana ireo kerobima. 10 Bezalila nanao ny latabatra vita tamin'ny hazo akasia. Roa hakiho sy sasany ny halavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray akiho sy sasany ny hahavony. 11 Nandrakotra izany tamin'ny volamena tsy miharo izy ary nametraka sisim-bolamena tsy miharo nanodidina ny tampony. 12 Nanisy rafitra nanodidina vodivoam-pelatanany iray manontolo izy, niaraka tamin'ny sisim-bolamena nanodidina ilay rafitra. 13 Nanefy mason-drojo volamena efatra ho an'izany izy ary namatotra ireo mason-drojo tamin'ireo zorony efatra, izay nisy ireo tongotra efatra. 14 Voafatotra tamin'ny ireo zorony efatra ireo mason-drojo, mba hanomezana toerana ho an'ireo bao, mba hilanjana ilay latabatra. 15 Nanao ireo bao tamin'ny hazo akasia izy ary nanarona ireo tamin'ny volamena, mba hilanjana ilay latabatra. 16 Nanao ireo fanaka izay hapetraka eo ambonin'ny latabatra izy—ireo lovia, sotro, lovia jobo, sy ireo fitoeran-divay mba hampiasaina handrarahana ireo fanatitra. Nataony tamin'ny volamena tsy miharo ireo. 17 Nataony tamin'ny volamena tsy miharo ilay fitoeran-jiro. Nataony niaraka tamin'ny faladiany sy ny tahony ny fitoeran-jiro. Ny kapoakany, ny kiboriny, ary ny voninkazony dia natao ampahany iray miaraka aminy. 18 Nisy sampana enina nivoaka avy tamin'ireo sisiny—sampana telo nivoaka tamin'ny sisiny iray, ary sampana telo hafa no nivoaka amin'ireo sisiny amin'ny fitoeran-jiro. Ny sampany voalohany dia nanana kapoaka telo vita tahaka ny felan'ny amandia mamelana, miaraka amin'ny kibory iray sy voninkazo iray. 19 Ary kapoaka telo natao toy ny amandia mamelana tamin'ny sampany iray hafa, miaraka amin'ny kibory iray, sy voninkazo iray. Dia toy izany avokoa ho an'ireo sampana enina nivoaka avy amin'ny fitoeran-jiro. 20 Eo amin'ny fitoeran-jiro, teo amin'ny tahony afovoany, dia nisy kapoaka efatra natao toy ny amandia mamelana, niaraka tamin'ny kiborin'izy ireo sy ireo voninkaz. 21 Nisy kibory iray tao ambanin'ny sampana roa voalohany—izay natao iray aminy, ary kibory iray tao ambanin'ny sampana roa faharoa—natao iray aminy ihany koa izany. Tamin'ny fomba mitovy dia nisy kibory iray tao ambanin'ny sampana roa fahatelo, natao iray aminy. Ary toy izany koa ireo sampana enina nivoaka tao amin'ny fitoeran-jiro. 22 Ny kibory sy ny sampan'izy ireo dia iray aminy, sombin'asam-bolamena tsy miharo iray. 23 Bezalila nanao ny fitoeran-jiro sy ny jiro fiton'ireo, ny hetin-jiro sy fitoeran-davenona volamena tsy miharon'ireo. 24 Nanao ny fitoeran-jiro sy ireo fitaovana miaraka tamin'ny talenta volamena iray tsy miharo izy. 25 Bezalila nanao ny alitaran'ny ditin-kazo manitra. Nanao izany tamin'ny hazo akasia izy. Iray hakiho ny halavany, ary iray hakiho ny velarany. Efa-joro izany, ary roa hakiho ny hahavony. Ny tandrony dia natao toy iray aminy. 26 Nandrakotra ny alitaran'ny ditin-kazo manitra tamin'ny volamena madio izy—ny tampony, ireo sisiny, ary ireo tandrony. Nanao sisim-bolamena nanodidina ho an'izany ihany koa izy. 27 Nanao mason-drojo volamena roa izy mba hamatorana izany ao ambanin'ny sisiny eo amin'ny sisiny roa mifanandrify aminy. Ireo mason-drojo dia natao hitazona ireo bao mba hilanjana ny alitara. 28 Nataony tamin'ny hazo akasia ireo bao, ary nandrakotra ireo tamin'ny volamena izy. 29 Izy dia nanamboatra ny menaka fanosorana masina sy ny fofona tsy miharon'ny ditin-kazo manitra, izay asan'ny mpanao zava-manitra.
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:1.
"2.5 hakiho...1.5 hakiho"
Ireo tapa-kazo efatra izay nanohana ny fiara ireo dia resahina toy ny hoe tongotr'olona na tongo-biby.
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Ho an'ny 37:4-6 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 26:12 na ao amin'ny 25:15.
Na dia manondro an'i Bezalila aza ny hoe "-ny", ny ''-ny" dia mety mampiditra ireo mpiasa rehetra izay nanampy azy.
"2.5 hakiho...1.5 hakiho"
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Ho an'ny 37:7-9 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 25:15 sy ao amin'ny 25:19.
DH: "Natambany ho iray ireo"
Napetrak'i Bezalila toy ny hoe tena kerobima izay mamelatra ny elany sy manaloka ny saronam-panavotana ireo sarin'ny kerobima. DH: "Napetrak'ireo ny elatra noforonina mba hifampikasika ireo elany ary hivelatra" (UDB)
Napetrak'i Bezalila toy ny hoe tena kerobima izay mifanatrika sy mitodika mankany amin'ny saronam-panavotana ireo sarin'ny kerobima.
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Ho an'ny 37:10-13 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 25:23 sy ao amin'ny 25:25.
"2 hakiho...1 hakiho...1.5 hakiho"
Io dia hatevin'ny tanan'olona izay mivelatra ny rantsan-tanana.
Ireo tapa-kazo efatra izay nanohana ny fiara ireo dia resahina toy ny hoe tongotr'olona na tongo-biby ireo.
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Ho an'ny 37:14 - 16 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 25:25 sy ao amin'ny 25:28..
DH: "Nafatotr'i Bezalila ireo mason-drojo"
Ireo lovia jobo sy ireo fitoeran-divay ihany no nampiasaina mba handrarahana ireo fanatitra. DH: "lovia sy kapoaka, ary ireo siny sy ireo lovia jobo izay hampiasain'ireo mpisorona handrarahana ireo fanatitra"
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Ho an'ny 37:17-19 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 25:31 sy ao amin'ny 25:33.
DH: "Natambany ho iray tamin'ny fitoeran-jiro ny kapoakany, ny kiboriny, ary ny voninkazony
DH: "ary nanao kapoaka 3 tahaka ny felana amygdala izy"
Ny felana amygdala dia voninkazo fotsy na mavokely misy raviny dimy izay maniry eo amin'ny hazona amygdala.
Ho an'ny 37:20-22 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 25:33 sy ao amin'ny 25:35.
DH: "nisy kapoaka 4 izay nataon'i Bezalila toy ny felana amygdala"
DH: "izay natambatra ho iray tamin'ny fitoeran-jiro"
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Ho an'ny 37:23-24 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 25:37.
Io dia fitaovana natao tamin'ny tapa-kazo na vy nampifandraisina ny farany ary nampiasaina mba hakana zavatra.
"34 kilao"
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Ho an'ny 37:25-26 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 30:1 sy ao amin'ny 30:3.
Ny hakiho iray dia 46 santimetatra.
DH: "Nanambatra ireo tandroka ho iray tamin'ny alitara izy"
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Ho an'ny 37:27-28 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 30:3 and 30:5
DH: "izay afatotr'izy ireo amin'ny alitara"
Ny mpangaroharo zava-manitra dia manam-pahaizana amin'ny fampifangaroana zava-manitra sy menaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 30:22.
1 Bezalila nanao ny alitara ho an'ny fanatitra dorana tamin'ny hazo akasia. Izany dia dimy hakiho ny halavany ary dimy hakiho ny halalany—efa-joro—ary telo hakiho ny haavony. 2 Ary nanitatra ireo zorony efatra hiendrika toy ny tandrok'omby izy. Ny tandroka dia natambatra iray tamin'ny alitara, ary nandrakotra izany tamin'ny varahina izy. 3 Nanao ny fitaovana rehetra ho an'ny alitara izy—vilany ho an'ny lavenona, angady, kovetabe, sotro rovitra, ary vilany fitondrana afo. Nanao ireo fitaovana rehetra ireo tamin'ny varahina izy. 4 Nanao makarakara ho an'ny alitara izy, tohi-vakana varahina mba hapetraka ao ambanin'ny rindrina, teo amin'ny fisasahany ka hatrany amin'ny farany ambany. 5 Nandrendrika mason-drojo efatra ho an'ireo zoro efatry ny makarakara varahina izy, ho fihazonana ireo bao. 6 Nanao bao tamin'ny hazo akasia ary nandrakotra ireo tamin'ny varahina i Bezalila. 7 Nametaka ireo bao tamin'ny mason-drojo teo amin'ireo lafin'ny alitara izy, mba hilanjana izany. Nanao ny alitara poak'aty izy, tamin'ny hazo fisaka. 8 Nanao koveta varahina lehibe miaraka amin'ny fitoerany varahina i Bezalila. Nanao ny koveta tamin'ny fitaratr'ireo vehivavy izay nanompo teo amin'ny fidirana mankany amin'ny lay fihaonana izy. 9 Nanao ny kianja ihany koa izy. Ireo fefy lamba teo amin'ny lafiny avaratry ny kianja dia rongony fotsy madinika, zato hakiho ny halavany. 10 Ireo fefy lamba dia nisy tsangatsangany roapolo, ary faladiany varahina roapolo. Nisy farango naraikitra tamin'ireo tsangatsangany, sy teo amin'ny fitohizana volafotsy. 11 Toy izany koa nanaraka ny lafiny avaratra, dia nisy fefy lamba zato hakiho ny halavany miaraka amin'ny tsangatsangany roapolo, faladiany varahina roapolo, farango naraikitra tamin'ireo tsangatsangany, ary fitohizana volafotsy. 12 Ireo fefy lamban'ny lafiny atsinanana dia dimampolo hakiho ny halavany, miaraka amin'ny tsangatsangany sy faladiany folo. Ireo farango sy fitohizan'ireo tsangatsangany dia volafotsy. 13 Ny kianja ihany koa dia dimampolo hakiho ny halavany ao amin'ny lafiny atsinanana. 14 Ireo fefy lamba ho an'ny ankilan'ny fidirana dia dimy ambin'ny folo hakiho ny halavany. Misy tsangatsangany telo miaraka amin'ny faladiany telo ireo. 15 Teo amin'ny andanin'ny fidiran'ny kianja ihany koa dia nisy fefy lamba dimampolo hakiho ny halavany, miaraka amin'ny tsangatsangany telo sy faladiany telo. 16 Ireo fefy lamba rehetra manodidina ny kianja dia natao tamin'ny rongony fotsy madinika. 17 Ny faladian'ireo tsangantsangany dia natao tamin'ny varahina. Ireo farango sy ireo fitohizana ho an'ireo tsangatsangany dia natao tamin'ny volafotsy, ary ny fandrakofana ho an'ireo tendron'ny tsangatsangany ihany koa dia natao tamin'ny volafotsy. Ireo tsangatsangan'ny kianja rehetra dia norakofana tamin'ny volafotsy. 18 Ny lamba teo amin'ny vavahadin'ny kianja dia roapolo hakiho ny halavany. Ny lamba dia natao tamin'ny manga, volomparasy, sy rongony jaky, rongony fotsy madinika voatenona, ary roapolo hakiho ny halavany. Izany dia roapolo hakiho ny halavany ary dimy hakiho ny sakany, tahaka ireo lamban'ny kianja. 19 Nisy faladiany varahina efatra sy farango volafotsy izany. Ny fandrakofana ho an'ireo tendrony sy ny fitohizan'izany dia natao tamin'ny volafotsy. 20 Ny fihantonan'ny lay rehetra ho an'ny tabernakely sy ny kianja dia natao tamin'ny varahina. 21 Izao no lisitry ny momba ny tabernakely, ny tabernakelin'ny lalàn'ny fanekena, nalaina araka ireo toromarik'i Mosesy izany. Izany dia asan'ireo Levita teo ambany fitarihan'i Itamara zanaka lahin'i Arona mpisorona. 22 Bezalila zanaka lahin'i Ory zanaka lahin'i Hora, avy ao amin'ny fokon'i Joda, dia nanao ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 23 Oholiaba zanaka lahin'i Ahisamaka, avy ao amin'ny fokon'i Dana, dia niasa niaraka tamin'i Bezalila ho mpanao sokitra, ho mpiasa tena mahay, ary ho mpanao tenona amin'ny manga, volomparasy, sy volon'ondry jaky, ary rongony fotsy madinika. 24 Ny volamena rehetra izay nampiasaina tamin'ny tetik'asa, tamin'ny asa rehetra nifandray tamin'ny toerana masina—ny volamena avy amin'ny fanatitra ahevaheva—dia talenta sivy amby roapolo sy sekely 730, voarefy tamin'ny fenitry ny sekely masina. 25 Ny volafotsy nomen'ny fiangonana dia nilanja talenta zato ary sekely 1. 775, araka ny sekely masina, 26 na beka iray isan'olona, izay antsasaky ny sekely, voarefy tamin'ny sekely masina. Ireo tarehimarika ireo dia nahakasika ny fototry ny olona tsirairay izay voaisa tamin'ny fanisam-bahoaka, ireo roapolo taona no ho miakatra—dia lehilahy 603. 350 ny fitambarany. 27 Talenta volafotsy zato no narendrika ho an'ireo faladian'ny toerana masina sy ireo faladian'ny lamba: faladiany zato, ary talenta iray isaky ny faladiany tsirairay avy. 28 Tamin'ny ambin'ny sekely volafotsy 1. 775, dia nanao farango ho an'ireo tsangatsangany i Bezalila, nandrakotra ny tendron'ireo tsangatsangany, ary nanao fitohizana ho an'ireo. 29 Ny varahina avy amin'ny fanatitra ahevaheva dia nilanja talenta 70 ary sekely 2. 400. 30 Tamin'izany no nanaovany ireo faladiany ho an'ny fidirana mankany amin'ny lay fihaonana, ny alitara varahina, ny makarakara varahin'izany, ny fitaovana rehetra ho an'ny alitara, 31 ireo faladiany ho an'ny kianja, ireo faladiany ho an'ny fidiran'ny kianja, ireo fihantonan'ny lay rehetra ho an'ny tabernakely, ary ireo fihantonan'ny lay rehetra ho an'ny kianja.
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Ho an'ny 38:1-3 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 27:1 sy ao amin'ny 27:3.
Ny iray hakiho dia 46 santimetatra.
DH: "Natambany ho iray ireo tandroka"
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Ho an'ny 38:4-5 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 27:3 sy ao amin'ny 27:5.
DH: "izay napetrak'izy ireo tao ambanin'ny rindrina"
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Ny hazo fisaka dia tapa-kazo lava, fisaka izay manify noho ny takelaka. Jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 27:7.
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Ilay fitoerany dia nanohanana ny koveta varahina. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 30:17.
Ilay koveta dia avy amin'ny fitaratra. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Ilay varahina nanaovana ilay kovatabe dia avy amin'ny fitaratra"
Ny fitaratra dia tapa-by na vera natao mangirana izay mitaratra ny sary.
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Ho an'ny 38:9-10 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 27:9.
"100 ... 20"
Ny hakiho iray dia 46 santimetatra.
Ho an'ny 38:11-12 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 27:11.
"100 ... 20 ... 50 ... 10"
Ny hakiho iray dia 46 santimetatra.
Ho an'ny 38:13-16 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 27:11 sy ao amin'ny 27:14.
"50 ... 15 ... 3"
Ny hakiho iray dia 46 santimetatra.
DH: "Nanao ireo fefy lamba rehetra manodidina ny kianja tamin'ny rongony fotsy madinika i Bezalila"
Ho an'ny 38:17-20, jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 27:14 sy ao amin'ny 27:17.
DH: "Nanao ireo faladian'ireo tsangantsangany tamin'ny varahina i Bezalila sy ireo mpiasa"
DH: "Nanao ireo farango, ireo fitohizana ho an'ireo tsangatsangany, ary ny fandrakofana ireo tendron'ny tsangatsangany tamin'ny volafotsy izy ireo"
DH: "Norakofan'izy ireo volafotsy ny tsangatsangan'ny kianja"
"20 ... 5 ... 4"
"Ny lamba dia nataon'izy ireo tamin'ny"
DH: "Nataon'izy ireo tamin'ny volafotsy ny fandrakofana ho an'ireo tendrony sy ny fitohizan'izany"
DH: "Nataon'izy ireo tamin'ny varahina ny fihantonan'ny lay rehetra ho an'ny tabernakely sy ny kianja
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
DH: "izay nasian'i Mosesy ho soratan'ireo Levita''
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:23.
Ny hoe "Bezalila" sy "Ory" dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:1.
"ny zavatra rehetra izay nolazain'i Yaveh mba ataon'i Mosesy"
Ny hoe "Oholiaba" dia "Ahisamaka" dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:6.
"ho mpanao sokitra sy mpanao peta-kofehy tena mahay"
DH: "Ny volamena rehetra izay nampiasain'ny olona tamin'ny tetik'asa"
"talenta 29...talenta 100". Ny talenta iray dia 34 kilao.
Ny sekely iray dia 11 grama.
Misy lanjany mihoatra ny iray amin'ny fotoana iray tokoa ny sekely. Io voatondro io no tokony ampiasaina. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 30:11.
DH: "Ny volafotsy izay nomen'ny fiangonana"
Ny beka iray dia 1/2 sekely.
"1/2 sekely"
Ny lehilahy rehetra izany roapolo taona na mihoatra dia tafiditra ao amin'ny fanisam-bahoaka ary takiana mba hanome antsasaka sekely.
"20 taona"
Ny talenta iray dia 34 kilao. DH: "Nandrendrika talenta volafotsy 100 ireo mpiasa" na "Nandrendrika volafotsy 3.400 ireo mpiasa"
"100 ... 70"
Ny sekely dia 11 grama.
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:1.
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Io dia rafitra bara misadika mba hihazonana kitay rehefa mirehitra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:3.
Ireo dia tsato-kazo varahina maranitra izay nampiasaina mba hiarovana ireo zoron'ny lay amin'ny tany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:17.
1 Tamin'ny lamba volon'ondry manga, volomparasy, ary jaky mena, dia nanamboatra akanjo tenona manify ho an'ny fanompoana ao amin'ny toerana masina izy ireo. Nanamboatra akanjo ho an'i Arona izy ireo ho an'ny toerana masina, araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 2 Bezalila nanamboatra ny efoda tamin'ny volamena, manga, volomparasy, sy volon'ondry jaky, ary tamin'ny rongony fotsy madinika. Notorotoroin'izy ireo ny volamena ary 3 notapatapahin'izy ireo ho kofehy, mba hampiasaina azy ireo amin'ny lamba manga, volom-parasy, volon'ondry jaky, ary rongony fotsy madinika, izay asan'ny mpiasa za-draharaha. 4 Nanamboatra saron-tsoroka ho an'ny efoda izy ireo, dia nampiarahan'izy ireo teo amin'ireo zorony roa ambony izany. 5 Ary ireo fehikibo voatenona madinika dia mitovy amin'ny efoda, izany dia vita amin'ny singa iray avy amin'ny efoda, vita avy amin'ny rongony voatenona madinika izay volamena, manga, volom-parasy, ary jaky mena, araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 6 Namboarin'izy ireo ny vato berila, dia nofonosin'izy ireo tamin'ny randram-bolamena, dia nosoratana toy ny fitombokase, ary nosoratana niaraka tamin'ny anaran'ireo roa ambin'ny folo lahy zanak'Israely izany. 7 Ary dia napetrak'i Bezalila teo amin'ny saron-tsoroky ny efoda ireo. Mba ho vato fampahatsiahivana an'i Yaveh ny amin'ireo zanak'Israely roa ambin'ny folo lahy, araka ny nandidian'i yaveh an'i Mosesy. 8 Nanao saron-tratra izy, toy ny nanamboarana ny efoda, izay asan'ny mpiasa zaha-draharaha. Dia nataony tamin'ny volamena, manga, volomparasy sy volon'ondry jaky, ary rongony fotsy madinika. 9 Efa-joro izany. Ary naforitr'izy ireo roa ny saron-tratra. Dia iray njehiny ny halavan'izany ary iray njehiny ny velarany. 10 Nataon'izy ireo tamin'ny andalana efatra ireo vato sarobidy. Ny andalana voalohany dia robia, topazy, ary garnety. 11 Ny andalana faharoa dia nisy emeralda, safira, ary diamondra. 12 Ny andalana fahatelo dia nisy jasinta, agaty, ary ametista. 13 Ny andalana fahefatra dia nisy berila, oniksa, ary jaspera. Dia nasiana randram-bolamena ireo vato ireo. 14 Nalamina tamin'ny anaran'ireo zanak'Israely roa ambin'ny folo lahy ireo vato, dia nalahatra araka ny anarana avy izany. Tahaka ny peratra fitomboka ireo, ary ny anarana tsirairay avy dia manambara ny iray amin'ireo foko roa ambin'ny folo. 15 Nanamboatra rojo toy ny kofehy teo amin'ny saron-tratra izy ireo, izay narandrana tamin'ny volamena tsy mifangaro. 16 Nanamboatra mason-drojo volamena roa sy randram-bolamena roa izy ireo, ary napetrak'izy ireo teo amin'ny zoron'ny saron-tratra roa ireo mason-drojo roa. 17 Napetrak'izy ireo tamin'ilay mason-drojo roa ilay randram-bolamena roa teo an-joron'ireo saron-tratra. 18 Napetak'izy ireo teo amin'ny randram-bolamena ny rojo roa voarandrana. Dia napetak'izy ireo teo amin'ny saron-tsoroky ny efoda avy teo anoloany izany. 19 Nanamboatra mason-drojo volamena roa izy ireo ary napetany tamin'ny zoron'ny saron-tratra hafa anankiroa izany, teo amin'ny sisiny akaikin'ny zorony anatiny. 20 Nanamboatra mason-drojo volamena roa hafa ihany koa izy ireo ary nataon'izy ireo teo amin'ny amoron'ny saron-tsoroka anankiroa avy teo anoloan'ny efoda izany, teo akaikin'ny zaitra ambonin'ny fehikibo voatenon'ny efoda. 21 Nafatotr'izy ireo niaraka tamin'ny kofehy manga tamin'ny alalan'ny mason-drojony teo amin'ny mason-drojon'ny efoda ny saron-tratra. Natao izany mba tsy hiongotra amin'ny efoda ny saron-tratra. Araka ny nandidian'i Yaveh an'ny Mosesy. 22 Namboarin'i Bezalila tamin'ny lamba volomparasy tanteraka ny akanjo efoda, izay asan'ny mpanenona. 23 Ary nisy fitsofoan-doha eo afovoany. Nisy tenona teo amin'ny manodidina ny fisokafany mba tsy hitritra. 24 Nanamboaran'izy ireo apongaben-danitra vita amin'ny kofehy manga, volom-parasy, jaky men, ary rongony fotsy madinika, teo amin'ny moron-tongony. 25 Nanamboatra lakolosy volamena tsy miharo izy ireo, ary napetrak'izy ireo teo anelanelan'ny apongaben-danitra manodidina ny sisin'ny moron-tongotr'ilay akanjo, mifanelanelana amin'ireo apongaben-danitra— 26 lakolosy dia apongaben-danitra, lakolosy dia apongaben-danitra—teo amin'ny sisin'ny akanjo ho an'i Aarona mba hanompoany ao. Izany dia araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 27 Namboarin'izy ireo ho an'i Aarona sy ireo zanany ilay akanjo rongony fotsy madinika. 28 Nanao ny hamama rongony fotsy madinika, ny fehy loha rongony fotsy madinika, ny atin'akanjo rongony fotsy madinika, sy ny satroka vita amin'ny rongony fotsy madinika 29 ary kofehy manga, volomparasy, ary jaky mena, ho asan'ny mpanao peta-kofehy izy ireo. Izany dia araka ny ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 30 Dia nanamboatra ny takela-bolamena tsy mifangaron'ny satro-boninahitra masina izy ireo; dia nosoratan'izy ireo tamin'izany toy ny soratra eo amin'ny fitombokase hoe: "Masina ho an'i Yaveh". 31 Dia nopetahan'izy ireo kofehy manga teo amin'ny tampon'ilay hamama. Dia araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy izany. 32 Koa dia vita ny asa fanaovana tabernakely, ilay trano lay fihaonana. Nataon'ny vahoakan'Israely ny zava-drehetra. Narahin'izy ireo ny torolalana rehetra izay nomen'i Yaveh an'i Mosesy. 33 Nentin'izy ireo tamin'i Mosesy ilay tabernakely—ny lay sy ireo fitaovany rehetra, ny jiangrafiny, ny rafiny, ny barany, ny tsangatsangany, ny faladiany, 34 ny fandrakofana vita amin'ny hoditr'ondry lahy miloko mena, ny fandrakofana vita ami'ny hoditra lambodriaka, ary ny lamba anafenana 35 ny fiaran'ny vavolombelona, ary koa ny bao sy ny saronam-pamonjena. 36 Nentin'izy ireo ny latabatra, ny fanaka rehetra, sy ny mofon'ny fanatrehana; 37 ny fanaovan-jiro volamena tsy miharo ary ireo jiro tao amin'ny toerany, miaraka amin'ireo fitaovany sy ireo solika fanao amin'ny jiro; 38 ny alitara volamena, ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manim-pofona, ny fefy lamban'ny fidirana ao amin'ny tabernakely; 39 ny alitara varahina miaraka amin'ny varahina makarakarany sy ny baony ary ny fanaka sy ny koveta lehibe miaraka amin'ny faladiany. 40 Nentin'izy ireo ny fefy lamba ho an'ny kianja miaraka amin'ny tsangatsangany sy ny faladiany; ary ny lamba ho an'ny fidirana eo an-kianja; ireo tady sy ny fihantonan'ny lay; ary ny fitaovam-piasana rehetra entina hanompoana ny tabernakely, ny trano lay fihaonana. 41 Nentin'izy ireo ny akanjo voatenona mba hanompoana ao amin'ny toerana masina, ny akanjo masina ho an'i Arona mpisorona, sy ireo zanany lahy, mba hanompoan'izy ireo ho mpisorona. 42 Noho izany dia nataon'ireo vahoakan'Israely avokoa ny asa rehetra araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 43 Nandinika ireo asa rehetra i Mosesy, ary indro, vitan'izy ireo izany. Araka izay nandidian'i Yaveh, dia toy izany ny fomba nanaovan'izy ireo izany. Ary dia nitso-drano azy ireo Mosesy.
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro an'i Bezalila, Oholiaba, ary ireo mpiasa hafa.
''araka izay nandidian'i Yaveh hataon'i Mosesy"
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Io anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:1.
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
DH: "natambatr'izy ireo ho iray tamin'ny efoda vita tamin'ny rongony fotsy madinika voatenona izany"
"araka izay nandidian'i Yaveh hataon'i Mosesy". Jereo ny nandikanao io andianteny io ao amin'ny 39:1.
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Io vato voasikotra izay nampiasaina mba hampipetaka sary amin'ny tombokase savoka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:10.
"zanaka 12"
"araka izay nandidian'i Yaveh hataon'i Mosesy". Jereo ny nandikanao io andianteny io ao amin'ny 39:1.
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
"Nataon'i Bezalila" na "Nataon'i Bezalila sy ireo mpiasa"
Ny iray njehy dia 23 santimetatra.
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
"Nataon'izy ireo ny saron-tratra"
Mety tsy manana teny ho an'ny tsirairay amin'ireo vato ireo ny fiteny sasany. Ny tena zava-dehibe di a ny hoe sarobidy ireo ary samy hafa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:17.
DH: "Nataon'izy ireo tamin'ny randram-bolamena ireo vato"
Manohy manorina ny tabernakely sy ny fitaovana ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
DH: "Nandamina ireo vato ny mpiasa''
Manohy manamboatra ny fitafian'ny mpisorona ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
"rojo izay vita tamin'ny volamena ary narandrana tahaka ny tady." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:13.
Manohy manamboatra ny fitafian'ny mpisorona izay nodidiana tao amin'ny 28:25 sy tao amin'ny 28:27 ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Io dia fehikibo lamba natao tamin'ny kofehy kely rongony fotsy madinika izay notenonin'ny olona miaraka mba hanaovana kofehy mafy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:6.
Manohy manamboatra ny fitafian'ny mpisorona araka izay nodidiana tao amin'ny 28:27 ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
DH: "mba hifatotra amin'izany ireo"
"mba hifatotra amin'ny efoda ny saron-tratra"
Manohy manamboatra ny fitafian'ny mpisorona araka izay nodidiana tao amin'ny 28:25 sy ao amin'ny 28:27 ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:1.
Manohy manamboatra ny fitafian'ny mpisorona araka izay nodidiana tao amin'ny 28:33 ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Ireo dia lakolosy kely.
Izany ny fomba tokony hamerenana ny sary amin'ny sisiny rehetra amin'nny akanjo lava.
Manohy manamboatra ny fitafian'ny mpisorona ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Ho an'ny 39:27-29 jereo ny nandikanao ny ankabetsahan'ireo teny ireo ao amin'ny 28:39 sy ao amin'ny 28:40 ary ao amin'ny 28:42.
Io dia saron-doha anaovan'ny lehilahy natao tamin'ny lamba mivalona manodidina ny loha.
Io dia akanjo anaovana anatin'ny akanjo ivelany, mipetaka amin'ny hoditra.
Io dia ravin-damba lava anaovana eo amin'ny soroka na manodidina ny valahana.
Manohy manamboatra ny fitafian'ny mpisorona araka izay nodidiana tao amin'ny 28:36 ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Io dia satro-boninahitra voasikotra vita tamin'ny volamena tsy mifangaro. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:5.
Efa vitan'ireo Israelita ny fanaovana ireo zavatra nandidian'i Yaveh ao amin'ny 35:4 sy ao amin'ny 35:10.
Ny "tabernakely" sy ny "lay fihaonana" dia mitovy ihany. DH: "Koa dia vitan'ny vahoakan'ny Israely ny asa rehetra amin'ny tabernakely"
Ireo fihazonany dia tafiditra ao amin'ny fitazonana mba hiazonana ireo lamba miaraka. Jereo ny nandikanao ireo ao amin'ny 26:4.
Ireo dia zavatra mavesatra izay mipetraka amin'ny tany ary mitana zavatra hifatotra amin'ireo mba hihetsika. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:31.
Io dia sarona izay mipetraka amin'ny tampon'ny fiara izay nanaovana ny fanavotana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:15.
Manohy maneho ny rehetra izay natao ho an'i Mosesy ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
Io mofo io dia manondro ny fanatrehan'Andriamanitra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:28.
Io dia rafitra bara misadika izay nitazona ny kitay rehefa mirehitra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:3.
Manohy maneho ny rehetra izay natao ho an'i Mosesy ny vondron'ny mpiasan'i Bezalila.
"Nentin'ny vahoakan'ny Israely"
Ireo dia manondro toerana iray ihany.
"Ary noho izany ny vahoaka"
Ny teny hoe "indro" eto dia misarika ny saina amin'ny zavatra izay manaraka.
"Nataon'izy ireo tahaka izay nandidian'i Yaveh azy ireo"
1 Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy ary hoy izy hoe: 2 "Amin'ny andro voalohan'ny volana voalohan'ny taona vaovao dia tsy maintsy hatsanganao ny tabernakely, ny lay fihaonana. 3 Apetraho ao amin'izany ny fiaran'ny vavolombelona, ary aoka harovanao amin'ny lamba ny fiara. 4 Ento eo amin'ny latabatra ary alaharo ireo zavatra izay tokony ho amin'izany. Dia ento ny fanaovan-jiro ary apetraho ireo jiro. 5 Apetraho manoloana ny fiaran'ny vavolombelona ny alitara volamena izay misy ny ditin-kazo manitra, ary apetraho ny lamba eo amin'ny fidiran'ny tabernakely. 6 Apetraho eo anoloan'ny fidirana mankao amin'ny tabernakely, ilay lay fihaonana, ny alitaran'ny fanatitra dorana. 7 Apetraho eo anelanelan'ny lay fihaonana sy ny alitara ny koveta lehibe ary asio rano ao anatiny. 8 Atsangano manodidina izany ny kianja, ary ahantony eo amin'ny fidiran'ny kianja ny lamba. 9 Ka alaivo ny diloilo fanosorana ary hosory ny tabernakely sy ny zavatra rehetra ao anatiny. Atokano ho Ahy izany sy ny fanaka rehetra, ka dia ho masina izany. 10 Hosory ny alitaran'ny fanatitra dorana sy fanak'izany rehetra. Atokano ho Ahy ny alitara ary tena ho masina ho Ahy izany. 11 Hosory ny kovetabe varahina sy faladian'izany ary atokano ho Ahy. 12 Ho entinao i Arona sy ireo zanany lahy ho eo amin'ny fidiran'ny lay fihaonana ary sasao amin'ny rano izy ireo. 13 Ho tafinao amin'ireo ankajony izay natokana ho Ahy i Arona, hosory izy ary atokano mba hanompo ho mpisoroko. 14 Ho entinao ireo zanany lahy ary ampiakanjoy akanjo lava izy ire. 15 Hosory tahaka nanosoranao ny rainy izy ireo mba hanompo Ahy ho mpisorona. Ny fanosorana azy ireo dia hahatonga azy ireo ho fisoronana maharitra hatramin'ireo taranany fara mandimby." 16 Izao no zavatra nataon'i Mosesy; narahiny avokoa izay efa nandidian'i Yaveh azy. Nataony izany zavatra rehetra izany. 17 Ary dia voatsangana tamin'ny andro voalohany volana voalohany tamin'ny taona faharoa ny tabernakely. 18 Nananganana ny tabernakely i Mosesy, nametraka ny faladian'izany tamin'ny toerany, nanangana ny rafitr'izany, nampikambana ny barany, ary nanangana ireo andry sy ireo tsagantsangan'izany. 19 Naeliny manerana ny tabernakely ny fandrakofana ary napetrany manerana izany ny lay, araka ny efa nadidian'i Yaveh azy. 20 Nalainy ny didin'ny fanekena ary napetrany tao anatin'ny fiara ireo. Nametraka bao teo amin'ny fiara ihany koa izy, ary dia nametraka ny sarom-panavotana teo amin'izany. 21 Nanangana lamba ho an'izany izy mba hiaro ny fiaran'ny vavolombelona, araka ny nandidian'i Yaveh azy. 22 Napetrany tao anatin'ilay lay fihaonana ny latabatra, dia teo amin'ny ilany avatr'ilay tabernakely, ivelan'ny lamba. 23 Nalahany teo ambony latabatra teo anoloan'i Yaveh ny mofo, araka ny efa nandidian'i Yaveh azy. 24 Napetrany tao anaty lay fihaonana ny fanaovan-jiro, tandrifin'ny latabatra, teo amin'ny lafiny atsimon'ny tabernakely. 25 Nampirehitra ny jiro teo anatrehan'i Yaveh izy, araka ny efa nandidian'i Yaveh azy. 26 Napetrany tao amin'ny lay fihaonana manoloana ny lamba ny alitara volamena misy ditin-kazo manitra. 27 Nandoro ditin-kazo manitra teo amin'izany izy, araka efa nandidian'i Yaveh azy. 28 Nahantony teo amin'ny fidirana teo amin'ny tabernakely ny lamba. 29 Napetrany teo amin'ny fidirana ny tabernakely, ilay lay fihaonana, ny alitaran'ny fanatitra dorana. Nanolotra fanatitra dorana sy vary ho fanatitra teo amin'izany izy, araka ny efa nandidian'i Yaveh azy. 30 Napetrany teo anelanelan'ny lay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe, ary nasiany rano tao anatin'izany mba hisasana. 31 Mosesy, Arona sy ireo zanany lahy nanasa ny tanany sy ny tongontr'izy ireo tao amin'ny kovetabe 32 na oviana na oviana handehanan'izy ireo ao amin'ilay lay fihaonana, ary na oviana na oviana hiakaran'izy reo eo amin'ny alitara. Nanasa ny tenany izy ireo, araka ny efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 33 Nanangana ny kianja nanodidina ny tabernakely sy ny alitara i Mosesy. Nanangana ny lamba teo amin'ny fidiran'ny kianja izy. Izany ny fomba nahavitan'i Mosesy ny asa. 34 Dia ny rahona nandrakotra ny lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Yaveh nanenika ny tabernakely. 35 Tsy afaka nitsofoka tao amin'ilay lay fihaonana i Mosesy satria ny rahona efa nitoetra tao amin'izany, ary satria ny voninahitr'i Yaveh nanenika ny tabernakely. 36 Na oviana na oviana no niakaran'ny rahona avy ao amin'ny tabernakely, ny vahoakan'Israely dia nianga tamin'ny dian'izy ireo. 37 Fa raha tsy niakatra avy ao amin'ny tabernakely ny rahona, dia tsy nandeha ny vahoaka. Nijanona teo izy ireo hatramin'ny andro izay nisandratan'izany. 38 Fa ny rahon'i Yaveh dia teo ambonin'ny tabernakely ny andro, ary ny afony teo amin'izany nony ny alina, teo imason'ny vahoakan'Israely rehetra nandritra ny dian'izy ireo.
Ny taona vaovao dia manamarika ny fotoana izay namonjen'Andriamanitra ny vahoakany hiala tao Egypta. Nitranga nanodidina ny antenantenan'ny Martsa amin'ny tetiandro Tandrefana izany.
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh
"apetraho ao amin'ny tratra masina ny fiaran'ny vavolombelona"
"apetraho ambanin'ny lamba ny fiara"
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Io dia manondro ny "tratra masina" (UDB).
Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"ny zavatra rehetra izay anisan'izany"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
I Mosesy mihitsy no hanao ireo zavatra ireo.
DH: "izay natokanao ho Ahy"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
amin'ny taranaky ny taranakao rehetra". Jereo ny nandikanao ireo andianteny ireo ihany ao amin'ny 12:12.
DH: "Koa dia voatsangan'ny vahoaka ny tabernakely"
Io dia manondro ny herintaona taorian'ny namonjen'Andriamanitra ny vahoakany hiala tao Egypta. Io dia nitranga nanodidina ny antenantenan'ny Martsa amin'ny tetiandro Tandrefana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40:1.
Io dia taona faharoa taorian'ny nitondran'i Yaveh ny vahoakany hivoaka avy tao Egypta.
Mosesy no mpitarika. Nanampy azy mba hanangana ny tabernakely ny vahoaka.
tapa-kazo matanjaka natao mahitsy ary nampiasaina ho fanohanana
Mosesy no mpitarika. Nanana mpiasa nanampy azy izy.
"teo anoloan'ny"
Nampianatra ireo mpiasany mba hamindra ny fitoeran-jiro i Mosesy. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Nametraka ny fitoeran-jiro tao anatin'ny lay masina ireo mpiasan'i Mosesy"
Io lamba io dia manasaraka ny toerana masina amin'ny toerana masina indrindra. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "teo anoloan'ny lamba izay nanasaraka ny toerana masina amin'ny toerana masina indrindra" (UDB)
Nisasa tamin'ny rano tao amin'ny kovetabe izy ireo. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "nanasa ny tanana sy ny tongotr'izy ireo tamin'ny rano tao amin'ny kovetabe"
"Ary toy izany"
"henika ny fanatrehan-tsaran'i Yaveh"
DH: "niakatra avy ao amin'ny"
DH: "rehefa niakatra izany"
1 Niantso an'i Mosesy i Yaveh ary niresaka taminy avy tao amin'ny trano-lay fihaonana, nanao hoe: 2 "Mitenena amin'ny vahoakan'Israely ka lazao amin'izy ireo hoe: 'Raha misy olona aminareo mitondra fanatitra ho an'i Yaveh, dia mitondrà iray amin'ny bibinareo ho fanatitrareo, na avy amin'ny omby na avy amin'ny ondry aman'osy. 3 Raha fanatitra dorana avy amin'ny omby ny fanatiny, dia tsy maintsy lahy tsy misy kilema no atolony. Hanolotra izany eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana izy, mba ho ankasitrahana eo anatrehan'i Yaveh izany. 4 Hametraka ny tanany eo amin'ny lohan'ny fanatitra dorany izy, ary dia ho ankasitrahana noho ny aminy izany mba ho fanavotana ho azy. 5 Dia aoka izy hamono ny ombilahy eo anoloan'i Yaveh. Ireo zanak'i Arona, ireo mpisorona, dia hanolotra rà ary hamafy izany eo amin'ny alitara izay eo amin'ny fidirana mankao amin'ny lay fihaonana. 6 Dia aoka izy hamolo ny fanatitra dorana ary hitetitetika izany. 7 Dia handrehitra afo eo amin'ny alitara ary hanisy kitay ka hampirehitra ny afo ireo zanak'i Arona. 8 Ireo zanak'i Arona, ireo mpisorona, dia hametraka ireo tetika, ny lohany sy ny saborany, hitandahatra eo ambonin'ny kitay izay efa mirehitra eo ambonin'ny alitara. 9 Fa ny taovany sy ny feny dia tsy maintsy ho sasany amin'ny rano. Dia handoro ny zavatra rehetra eo amin'ny alitara ho fanatitra dorana ny mpisorona. Hiteraka hanitra malefaka ho Ahy izany; ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Ahy izany. 10 Raha avy amin'ny ondry aman'osy ny fanatiny ho amin'ny fanatitra dorana, dia ny iray amin'ireo ondry na iray amin'ireo osy, dia tsy maintsy lahy tsy misy kilema no atolony. 11 Aoka hamono izany eo amin'ny lafy avaratry ny alitara eo anatrehan'i Yaveh izy. Ireo zanak'i Arona, ireo mpisorona, dia hamafy ny ràn'izany amin'ny lafin'ny alitara rehetra. 12 Dia aoka izy hitetika izany, miaraka amin'ny lohany sy ny saborany, ary ny mpisorona dia handahatra ireo eo amin'ny kitay efa mirehitra, izay eo ambonin'ny alitara, 13 nefa aoka ho sasàny amin'ny rano ny taovany sy ny feny. Dia hanolotra azy manontolo ny mpisorona, ary handoro izany eo amin'ny alitara. Izany no fanatitra dorana, ary hiteraka hanitra malefaka ho an'i Yaveh izany; ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Azy izany. 14 Raha fanatitra dorana vorona ny fanatiny ho an'i Yaveh, dia tsy maintsy mitondra na domoina na zana-boromailala ho fanatiny izy. 15 Tsy maintsy mitondra izany eo amin'ny alitara ny mpisorona, manolana ny lohany, ary mandoro izany eo amin'ny alitara. Ary dia araraka eo amin'ny alitara ny ràn'izany. 16 Tsy maintsy ho esoriny ny takorobabon'izany sy ny zavatra ao anatiny, ary hariany akaikin'ny alitara eo atsinanana izany, eo amin'ny toeran'ireo lavenona. 17 Tsy maintsy hanokatra izany avy eo amin'ny elany izy, nefa tsy azo zarainy ho roa izany. Dia handoro izany eo amin'ny alitara ny mpisorona, eo amin'ny kitay efa mirehitra. Ho fanatitra dorana izany, ary hiteraka hanitra malefaka ho an'i Yaveh izany; ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Azy izany.
Io dia anaran'Andriamanitra izay nampahafanatariny ny vahoakany tao amin'ny Testamenta Taloha.
Eto, Yaveh dia manomboka ny firesahany amin'i Mosesy. Io resaka io dia mifarana ao amin'ny 3:17. DH: "Avy tao amin'ny trano-lay fihaonana ary naniraka an'i Mosesy mba hiteny amin'ireo vahoakany hoe: 'raha misy olona"
"raha misy aminareo" na "raha misy ...aminareo"
Yaveh dia manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ireo vahoaka mba ho eken'i Yaveh ny fanatitr'izy ireo.
Eto, ny "-ny" dia manondro ilay olona izay mitondra fanatitra ho an'i Yaveh. DH: "Raha fanatitra ... ny fanatitrareo, dia tsy maintsy ...no atolotrareo"
DH: "ka hankasitraka izany Yaveh"
Io dia fihetsika atao mba hamantarana fa miaraka amin'ilay biby hatolony ilay olona. Manolotra ny tenany amin'io fomba io ho an'i Yaveh amin'ny alala'ny biby ilay olona, mba hamelan'Andriamanitra ny helok'ilay olona rehefa mamono ilay biby izy ireo.
DH: "ary dia hanaiky izany eo amin'ny toerany Yaveh ary hamela ny helony"
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Eto, ny "izy" dia manondro ilay manao fanatitra. DH: "Dia aoka ianareo hamono ny ombilahy"
"eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
Io dia midika fa ireo mpisorona dia hitaty ny rà amin'ny lovia jobo rehefa mijininika avy amin'ilay biby izany. Avy eo dia hitondra ilay lovia jobo misy rà izy ireo ary hanolotra izany ho an'i Yaveh eo amin'ny alitara.
Araka ny voatondro ao amin'ny 1:9, ilay olona dia tsy maintsy manasa ny ao anatiny sy ny tongotr'ilay biby amin'ny rano. Manao izany ilay olona mialohan'ny hanolorana ny hena voatetika ho amin'ireo mpisorona mba hahafan'izy ireo mametraka izany eo ambony alitara. Araka ny ao amin'ny UDB, azonao lazaina eto ny fomba nanasana ny tao anatiny sy ny tongony.
Eto, ny "izy" dia manondro ilay manao fanatitra.
Yaveh dia manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona mba azo ekena eo aminy ny fanatiny.
Io dia mety midika fa ireo mpisorona dia nametraka vain'afo teo amin'ny alitara, ary avy eo nasiana kitay teo amin'ilay vain'afo. Na azonao alahatra araka ny ao amin'ny UDB io. DH: "hanisy kitay eo amin'ny alitara ary handrehitra"
Io dia fomba fiteny izay midika hoe tsy mitsahatra mandroso kitay amin'ny afo. Adikao io fomba fiteny io mba ho fantatra fa ilay afo eo aminny alitara dia tsy maintsy mirehitra hatrany. DH: "mba hirehetan'ny afo hatrany"
Hanao izany ilay olona mialohan'ny hanomezany ireo hena voatetika ho amin'ny mpisorona mba hapetraka eo amin'ny alitara. Io dia azona lazaina any amin'ny fiafaran'ny 1:5.
Io dia ny vavoniny sy ny tsinainy.
Eto, ny "-ny" dia manondro ilay olona manao fanatitra.
Ny fahafahampon'i Yaveh amin'ny mpanompo tso-po manatitra ny fanatitra dia resahina toy ny hoe afapo ny amin'ilay hanitr'ilay fanatitra dorana Yaveh.
Yaveh dia miteny amin'i Mosesy fa ireo fanatitra ireo dia dorana amin'ny afo. DH: "fanatitra dorana ho ahy"
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Ho an'ny 1:12-13, jereo ny fomba nandikanao ny ankamaroan'ireo teny ireo ao amin'ny 1:7.
Eto, ny "izy" dia manondro ilay olona manatitra ilay sorona. DH: "Dia aoka ianareo hitetika izany"
"ary handoro ny ireo zavatra rehetra ireo eo amin'ny alitara ny mpisorona"
Ny fahafahampon'i Yaveh amin'ny mpanompo tso-po manatitra ny fanatitra dia resahina toy ny hoe afapo ny amin'ilay hanitr'ilay fanatitra dorana Yaveh. Jereo ny nandikanao an'io tao amin'ny 1:7.
Yaveh dia milaza amin'i Mosesy fa ireo mpisorona dia tsy maintsy mandoro ny fanatitr'izy ireo amin'ny afo. DH: "ho fanatitra dorana ho Ahy izany" na "ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh izany"
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"manolana ny tendany"
DH: "ary dia tsy maintsy mandraraka ny ràn'izany eo ...ny mpisorona"
"Ny mpisorona dia tsy maintsy"
Ny takorobabo dia paosy eo ambanimbanin'ny tendan'ny vorona izay misy ireo sakafo mbola ho levonina.
Eto, ny "izany" dia manondro ilay takorobabo sy ny zavatra ao anatiny.
Ny fahafahampon'i Yaveh amin'ny mpanompo tso-po manatitra ny fanatitra dia resahina toy ny hoe afapo ny amin'ilay hanitr'ilay fanatitra dorana Yaveh.
DH: "ho fanatitra dorana ho Ahy izany" na "ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh izany"
1 Raha misy mitondra fanatitra voa ho an'i Yaveh, dia aoka ho koba tsara toto ny fanatiny, ary handraraka diloilo eo amin'izany sy hametraka ditin-kazo manitra eo amin'izany izy. 2 Hitondra ny fanatitra eo amin'ireo mpisorona zanak'i Arona izy, dia haka koba tsara toto eran'ny tanana miaraka amin'ny diloilo sy ditin-kazo manitra eo amin'izany ny mpisorona. Dia handoro ny fanatitra eo amin'ny alitara ho fanati-pahatsiarovana ny mpisorona. Hamoka hanitra malefaka ho an'i Yaveh izany; ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Azy. 3 Izay rehetra tavela amin'ireo fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ireo zanany lahy. Masina tokoa avy amin'ireo fanatitra ho an'i Yaveh natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh izany. 4 Raha manolotra fanatitra voa tsy misy lalivay izay nandrahoina tamin'ny lafaoro ianao, dia aoka ho mofo malemy vita tamin'ny koba tsara toto miharo diloilo izany, na mofo mafy tsy misy lalivay, izay voahosotra diloilo. 5 Raha nandrahoina tamin'ny lasitra vy fisaka ny fanatitra voa, dia aoka ho avy amin'ny koba tsara toto tsy misy lalivay izay miharo diloilo izany. 6 Hozarainao izany ary handrarahanao diloilo eo aminy. Izany no fanatitra dorana. 7 Raha nandrahoina tamin'ny lasitra ny fanatitra voa anao, dia aoka atao amin'ny koba tsara toto sy diloilo izany. 8 Aoka hitondra fanatitra voa natao tamin'ireo zavatra ireo ho an'i Yaveh ianao, ary izany dia hatolotra eo amin'ny mpisorona, izay hitondra izany eo amin'ny alitara. 9 Avy eo dia haka sasany amin'ny fanatitra voa ho fanati-pahatsiarovana ny mpisorona, ary handoro izany eo amin'ny alitara izy. Ho fanatitra natao tamin'ny afo izany, ary hahatonga hanitra ankasitrahana ho an'i Yaveh. 10 Izay ambin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ireo zanany lahy. Masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Yaveh izany. 11 Tsy hisy fanatitra voa ho atolotrao ho an'i Yaveh ka hisy lalivay, satria tsy tokony handoro masirasira, na tantely, ho fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh ianao. 12 Hanolotra ireo ho fanatitra voaloham-bokatra ho an'i Yaveh ianao, saingy tsy hampiasaina hamoahana hanitra malefaka eo amin'ny alitara ireo. 13 Aoka hanome tsiro ny tsirairay amin'ny fanatitra voa amin'ny sira ianao. Aoka tsy ho adinonao mihitsy amin'ny fanatitra voa ny siran'ny faneken'Andriamanitrao. Manolora sira amin'ireo fanatitrao rehetra. 14 Raha manolotra fanatitra voa amin'ny voaloham-bokatra ho an'i Yaveh ianao, dia manolora voa vaovao izay natono tamin'ny afo sy nopotehina ho sakafo avy eo. 15 Dia aoka hanisy diloilo sy ditin-kazo manitra ao amin'izany ianao. Izany no fanatitra voa. 16 Ary handoro ny ampahan'ny voa voatoto sy diloilo ary ditin-kazo manitra ho fanati-pahatsiarovana ny mpisorona. Izany no fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh.
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"ho koba tsara toto indrindra" na "ho koba tsara indrindra"
vovoka vita amin'ny varim-bazaha
"tsy maintsy mitondra ...izy"
"haka izay zakan'ny tanany"
Ny iray tanana amin'ny fanatitra voa dia mampiseho ilay fanatitra voa iray manontolo. Izany hoe ilay fanatitra manontolo dia an'i Yaveh.
Ny fahafahampon'i Yaveh amin'ny mpanompo tso-po manatitra ny fanatitra dia resahina toy ny hoe afapo ny amin'ilay hanitr'ilay fanatitra dorana Yaveh. Jereo ny nandikanao an'io tao amin'ny 1:7.
DH: "ho fanatitra dorana ho Ahy izany"
Yaveh dia manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona sy ireo mpisorona mba ho azony ekena ny fanatitr'izy ireo.
DH: "izay nandrahoinareo tao anaty lafaoro"
Io dia mety ho fitaovana poak'aty vita tamin'ny tanimanga. Arehitra ao ambanin'ilay lafaoro ny afo, ary ny hafanana no manamasaka ny koba ao anatin'ilay lafaoro.
Fantatra fa tsy misy lalivay ilay mofo malemy.
Adikao io andian-teny io mba hhamantarana fa ilay diloilo dia aparitaka eo amin'ilay mofo. DH: "mofo misy menaka"
DH: "raha mahandro ny fanatitra voa tamin'ny lasitra vy fisaka ianao"
Io dia lovia izay vita tamin'ny tanimanga na vy. Apetraka eo ambony afo ilay lovia , ary masaka eo ambon'ilay lovia ny koba.
Yaveh dia manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona mba ho azony ekena ny fanatitr'izy ireo.
Eto, ny "izany" dia manondro ilay fanatitra voa izay nandrahoina tamin'ny lasitra vy fisaka.
DH: "raha mahandro ny fanatitra voanao ianao"
Ny lasitra dia lovia vy misy sisiny boribory. Apetraka eo ambonin'ilay lasitra ny koba ary andrahoina eo ambony afo.
DH: "tsy maintsy ataonao amin'ny ...izany"
Yaveh dia manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona mba ho azony ekena ny fanatitr'izy ireo.
DH: "izay namboarinao tamin'ny koba sy diloilo"
DH: "dia hatolotrao izany"
Ho an'ny 2:9-10, jereo ny fomba nandikanao ny ankamaroan'ireo teny ireo ao amin'ny 2:1.
Ny iray tanana amin'ny fanatitra voa dia mampiseho ilay fanatitra voa iray manontolo. Izany hoe ilay fanatitra manontolo dia an'i Yaveh. Jereo ny nandikanao an'io ao amin'ny 2:1.
DH: "Ho fanatitra dorana izany"
Ny fahafahampon'i Yaveh amin'ny mpanompo tso-po manatitra ny fanatitra dia resahina toy ny hoe afapo ny amin'ilay hanitr'ilay fanatitra dorana Yaveh. Jereo ny nandikanao an'io tao amin'ny 1:7.
DH: "avy amin'ny fanatitra dorana ho an'i Yaveh"
Yaveh dia manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona mba ho azony ekena ny fanatitr'izy ireo
DH: "Aza mampiasa lalivay amin'ny fanatitra voa izay hatolotra ho an'i Yaveh"
DH: "ho fanatitra dorana"
"hanolotra ny fanatitra voa vita tamin'ny lalivay sy tantely"
DH: "Tsy hampiasa ireo mba hiteraka hanitra malefaka eo amin'ny alitara ianao" na "tsy handoro ireo eo amin'ny alitara ianao"
Io dia midika fa ny sira dia famantarana izay mampiseho ny fanekena amin'Andriamanitra.
Yaveh dia manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona mba ho azony ekena ny fanatitr'izy ireo
DH: "izay nandrahoinao tamin'ny afo ary nopotehina avy eo"
Ny iray tanana amin'ny fanatitra voa dia mampiseho ilay fanatitra voa iray manontolo. Izany hoe ilay fanatitra manontolo dia an'i Yaveh. Jereo ny fomba nandikanao an'io tao amin'ny 2:1.
DH:"Izany no fanatitra dorana ho an'i Yaveh"
1 Raha misy olona manolotra sorona, izay fanati-pihavanana amin'ny iray amin'ireo biby avy amin'ny andian'omby, na lahy na vavy, dia aoka izy hanome biby tsy misy kilema eo anoloanan'i Yaveh. 2 Hametraka ny tanany eo an-dohan'ny fanatiny izy ary hamono izany eo ambaravaran'ny lay fihaonana. Ary ireo zanaka lahin'i Arona mpisorona hamafy ny ràn'izany amin'ireo lafin'ny alitara. 3 Hanolotra soron'ny fanati-pihavanana amin'ny afo ho an'i Yaveh ilay lehilahy. Ny sabora izay mandrakotra na mifandray amin'ny taovany, 4 sy ireo voa roa sy ny sabora izay eo amin'izy ireo amin'ny alalan'ny valahiny, ary ny ilan'ny atiny, miaraka amin'ny voany—dia ho esoriny izany rehetra izany. 5 Ireo zanaka lahin'i Arona dia handoro izany eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra dorana, izay ambonin'ny kitay efa mirehitra. Hamoaka hanitra malefaka ho an'i Yaveh izany; ho fanatitra dorana natao ho Azy amin'ny alalan'ny afo izany. 6 Raha toa ka avy amin'ny ondry aman'osy no soron'ny fanati-pihavanan'ilay lehilahy ho an'i Yaveh; na lahy na vavy, dia tsy maintsy manolotra sorona tsy misy kilema izy. 7 Raha manolotra zanak'ondry ho ataony sorona izy, dia tsy maintsy atolony eo anoloan'i Yaveh izany. 8 Hametraka ny tanany eo an-dohan'ny sorony sy hamono izany eo anoloan'ny lay fihaonana izy. Ary hamafy ny ràny amin'ny sisin'ny alitara ireo zanaka lahin'i Arona. 9 Hanolotra ny soron'ny fanati-pihavanana ho fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh ilay lehilahy. Ny sabora, ny rambo matavy manontolo dia hotapahina manakaiky ny taolan-damosina, ary ny sabora izay mandrakotra ireo taovany sy ireo sabora rehetra izay manakaiky ireo taovany, 10 ary ireo voa roa sy ny sabora izay ao anatin'ireo, izay ao anatin'ny valahiny, ary ny ila-atiny, miaraka amin'ireo voa—dia ho esoriny izany rehetra izany. 11 Dia handoro izany rehetra izany eo amin'ny alitara ho fanatitra dorana hohanina ho an'i Yaveh ny mpisorona. 12 Raha toa ka osilahy no fanatitr'ilay lehilahy, dia hanolotra izany eo anoloan'i Yaveh izy. 13 Aoka izy hametraka ny tanany eo an-dohan'ny osilahy ary hamono izany manoloana ny lay fihaonana. Dia hamafy ny ràn'izany amin'ny lafin'ny alitara ireo zanaka lahin'i Arona. 14 Hanolotra ny sorony natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh ilay lehilahy. Hanaisotra ny sabora izay mandrakotra ireo faritra anaty izy, ary ny sabora rehetra manakaiky ireo faritra anaty. 15 Hanaisotra ny voa roa sy ireo sabora izay miaraka amin'ireo izy, izay akaikin'ny valahina, ary ny ila-atiny miaraka amin'ny voa. 16 Handoro izany rehetra izany eo ambony alitara ho fanatitra hohanina natao tamin'ny afo ny mpisorona, mba hamoaka hanitra malefaka. An'i Yaveh ny sabora rehetra. 17 Ho lalàna mandrakizay eo amin'ny taranakareo fara mandimby amin'izay toerana rehetra honenanareo izany, dia aoka tsy hihinana sabora na rà ianareo."'
Manohy ny fitenenany amin'ireo vahoaka izay tian'Yaveh hataon'izy ireo i Mosesy.
"eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh" na "eo amin'i Yaveh"
Io dia fihetsika atao mba hamantarana fa miaraka amin'ilay biby hatolony ilay olona. Manolotra ny tenany amin'io fomba io ho an'i Yaveh amin'ny alala'ny biby ilay olona, mba hamelan'Andriamanitra ny helok'ilay olona rehefa mamono ilay biby izy ireo. Jereo ny fomba nandikanao an'io tao amin'ny 1:3.
Io dia midika fa mialohan'ny hanapariahana ilay rà, dia mitaty rà amin'ny lovia jobo izy ireo rehefa mijininiaka avy amin'ilay biby izany.
Io dia ny vavoniny sy ny tsinainy.
Io dia faritry ny vatana eo ankilan'ny hazon-damosina eo anelanelan'ny taoloan-tehezana sy ny taolan'andilana.
Io dia ny faritra boribory na lempona amin'ny aty. Io no heverina ho faritra tsara fihinana indrindra amin'ny aty. DH: "ny faritra matsiro indrindra amin'ny aty"
Ny fahafahampon'i Yaveh amin'ny mpanompo tso-po manatitra ny fanatitra dia resahina toy ny hoe afapo ny amin'ilay hanitr'ilay fanatitra dorana Yaveh. Jereo ny nandikanao an'io tao amin'ny 1:7.
DH: "ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh izany"
"atolony eo amin'ny fanatrehan'Yaveh izany" na "atolony ho an'i Yaveh izany"
Io dia fihetsika atao mba hamantarana fa miaraka amin'ilay biby hatolony ilay olona. Manolotra ny tenany amin'io fomba io ho an'i Yaveh amin'ny alala'ny biby ilay olona.
Io dia midika fa mialohan'ny hanapariahana ilay rà, dia mitaty rà amin'ny lovia jobo izy ireo rehefa mijininiaka avy amin'ilay biby izany.
DH: "ho fanatitra dorana"
Ny fanambarana "dia ho esoriny izany rehetra izany" dia azo apetraka any am-piandohan'ny fehezanteny. DH: "Ho esoriny ny sabora, ...ireo voa"
Io dia ny vavoniny sy ny tsinainy.
Misy fehezanteny vaovao afaka manomboka eto. DH: "izay manakaiky ny taovany. Tsy maintsy esoriny ireo voany"
Io dia faritry ny vatana eo an-kilan'ny hazon-damosina eo anelanelan'ny taola-tehezana sy ny taolan'andilana.
Io dia ny faritra boribory na lempona amin'ny aty. Io no heverina ho faritra tsara fihinana indrindra amin'ny aty. DH: "ny faritra matsiro indrindra amin'ny aty"
Adikao amin'ny fomba mampazava azy fa tsy tena mihinana ireo sakafo i Yaveh. DH: "handoro ireo eo amin'ny alitara ho fanatitra. Ireo zavatra ireo dia avy amin'ny vatsi-tsakafo" (UDB)
"eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh" na "ho an'i Yaveh"
Io dia fihetsika atao mba hamantarana fa miaraka amin'ilay biby hatolony ilay olona. Manolotra ny tenany amin'io fomba io ho an'i Yaveh amin'ny alala'ny biby ilay olona, mba hamelan'Andriamanitra ny helok'ilay olona rehefa mamono ilay biby izy ireo. Jereo ny fomba nandikanao an'io tao amin'ny 1:3.
Io dia midika fa mialohan'ny hanapariahana ilay rà, dia mitaty rà amin'ny lovia jobo izy ireo rehefa mijininiaka avy amin'ilay biby izany.
DH: "hanolotra ny fanatiny natao tamin'ny afo" na "handoro ny sorony"
Eto, ny "izy" dia manondro ireo olona manatitra sorona.
Adikao amin'ny fomba izay tsy tena mihinana ilay sakafo Yaveh. DH: "handoro ireo zavatra ireo eo amin'ny alitara mba ho fanatitra ho an'i Yaveh. Ho tahaka ny hoe sakafo omena an'i Yaveh izany" (UDB)
Ny fahafahampon'i Yaveh amin'ny mpanompo tso-po manatitra ny fanatitra dia resahina toy ny hoe afapo ny amin'ilay hanitr'ilay fanatitra dorana Yaveh. Jereo ny nandikanao an'io tao amin'ny 1:7.
Io dia midika fa izy ireo sy ny taranany dia tsy maintsy mankatò ireo ireo didy ireo mandrakizay.
"na hihina rà"
1 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 2 "Lazao ny vahoakan'Israely hoe: 'Raha misy olona manota nefa tsy naniry ny hanota, nanao ireo zavatra izay nandidian'i Yaveh mba tsy ho atao, ary raha manao zavatra izay voarara izy, dia tsy maintsy atao ireto manaraka ireto. 3 Raha toa ka ny mpisoronabe no manota ka mitondra fanamelohana eo amin'ny vahoaka, dia aoka izy hanolotra vantotr'omby lahy tsy misy kilema ho an'i Yaveh ho fanatitra nohon'ny ota. 4 Aoka izy hitondra omby lahy eo amin'ny fidiran'ny trano ao amin'ny lay fihaonana eo anatrehan'i Yaveh, hametraka ny tanany eo amin'ny lohany, ary hamono ilay ombilahy eo anatrehan'i Yaveh. 5 Ilay mpisorona voahosotra dia haka sombiny amin'ny ràn'ilay ombilahy ary hitondra izany ho ao amin'ny lay fihaonana. 6 Hanatsoboka ny tanany ao amin'ilay rà ilay mpisorona ka hamafy im-pito avy izany eo anatrehan'i Yaveh, eo anoloan'ny lamban'ny fitoerana masina indrindra. 7 Avy eo ilay mpisorona dia haka amin'ilay rà ho eo amin'ireo tandrok'ilay alitaran'ny dinti-kazo manitra eo anatrehan'i Yaveh, izay ao amin'ny lay fihaonana, ary handraraka ny sisa rehetra ambon'ny ràn'ilay ombilahy any amin'ny fanambanin'ilay alitara izy ho fanatitra dorana, izay eo amin'ny fidiran'ny lay fihaonana. 8 Hanala ny sabora rehetra amin'ilay omby atao fanatitra nohon'ny ota izy; ilay sabora izay mandrakotra ny faritra anatiny, ny sabora rehetra izay miraikitra amin'ny faritra anaty, 9 ireo voany roa sy ny sabora izay eo amin'ireo, izay akaikin'ny valahina, ary ny ila-atiny, miaraka amin'ireo voa—hanala izany rehetra izany Izy. 10 Ho esoriny daholo izany rehetra izany, tahaka ny nanesorany izany tamin'ilay omby natao soron'ny fanati-pihavanana. Avy eo ilay mpisorona dia handoro ireo ampahany ireo eo amin'ny alitara ho fanatitra dorana. 11 Ny hoditr'ilay omby sy izay hena tavela, miaraka amin'ny lohany sy ireo tongony ary ireo tao anatiny sy ny zeziny, 12 ny ambin'ny vatan'ilay omby rehetra—ho entiny ivelan'ny toby avokoa ireo ampahany ireo ho any amin'ilay toerana izay efa nodiovin'izy ireo ho Ahy, izay nandrarahan'izy ireo lavenona; handoro ireo ampahany ireo eo ambonin'ny kitay izy ireo. Aoka ireo ampahany ireo ho doran'izy ireo eo amin'ilay nandrarahan'izy ireo ireo lavenona. 13 Raha manota tsy nahy ny fiangonan'Israely rehetra, ary tsy mahafantatra ny fiangonana fa nanota izy ireo ary nanao izay nandraran'i Yaveh tsy ho atao, ary raha meloka izy ireo, 14 dia rehefa fantatra ny ota nataon'izy ireo, dia aoka ny fiangonana hanolotra vantotr'omby ho fanatitra nohon'ny ota ary hitondra izany eo anoloan'ny trano lay fihaonana. 15 Ireo loholon'ny fiangonana dia hametraka ny tanan'izy ireo eo amin'ny lohan'ilay omby anoloan'i Yaveh, ary ho vonoina eo anoloan'i Yaveh ilay omby lahy. 16 Ny mpisorona voahosotra dia hitondra sombiny amin'ilay ràn'ilay omby ho any amin'ny trano lay fihaonana, 17 ary hanatsoboka ny tanany ao amin'ilay rà ary hamafy izany im-pito eo anoloan'i Yaveh, eo anoloan'ilay lamba. 18 Hanosotra sombiny amin'ilay rà eo amin'ireo tandroky ny alitara izay eo anoloan'i Yaveh izy, izay ao amin'ny trano lay fihaonana, ary handraraka ilay rà rehetra eo amin'ny fanambanin'ny alitara ho fanatitra dorana, izay eo amin'ny fidiran'ny trano lay fihaonana. 19 Hanala ny sabora rehetra eo amin'izany izy ary handoro izany eo amin'ny alitara. 20 Izany no aoka ataony amin'ilay omby. Tahaka ny efa nataony tamin'ilay omby natao fanatitra nohon'ny ota, no ho ataony amin'io omby io, ary ilay mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny vahoaka, ka ho voavela izy ireo. 21 Ho entiny ivelan'ny toby ilay omby ary handoro izany tahaka ny nandorany ilay omby voalohany izy. Izany no fanatitra nohon'ny ota ho an'ny fiangonana. 22 Rehefa manota tsy nahy ny mpanapaka, amin'ny fanaovana ny iray amin'ireo zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh mba tsy atao, ka meloka izy, 23 dia hampahafantarina azy ny ota izay nataony, aoka izy hitondra osy, osilahy tsy misy kilema ho sorony. 24 Hametraka ny tanany eo amin'ny lohan'ilay osy izy ary hamono izany eo amin'ny toerana izay namonoan'izy ireo ny fanatitra dorana eo anoloan'i Yaveh. Fanatitra nohon'ny ota izany. 25 Ny mpisorona dia haka ilay ràn'ilay fanatitra nohon'ny ota amin'ny tanany ary hametraka izany eo amin'ireo tandroky ny alitara ho fanatitra dorona, ary handraraka ny ràn'izany eo amin'ny fanambanin'ny alitaran'ny fanatitra dorana izy. 26 Ho dorany eo amin'ny alitara ny sabora rehetra, tahaka ilay sabora tamin'ny soron'ny fanati-pihavanana. Ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny mpanapaka mahakasika ny otany, ary dia ho voavela ilay mpanapaka. 27 Raha misy iray amin'ireo sarambabem-bahoaka manota tsy nahy, amin'ny fanaovana ireo zavatra nandidian'i Yaveh azy ireo tsy ho atao, ary rehefa fantany ny helony, 28 dia ho ampahafantarina azy ny ota izay nataony, ary hitondra osy iray, osivavy tsy misy kilema ho sorony izy, ho an'ny ota izay nataony. 29 Hametraka ny tanany eo amin'ny lohan'ilay fanatitra nohon'ny ota izy ary hamono ilay fanatitra nohon'ny ota eo amin'ny toeran'ny fanatitra dorana. 30 Ny mpisorona dia handray sombiny amin'ilay rà amin'ny tanany ary hametraka izany eo amin'ny tandroky ny alitara ho fanatitra dorana. Handraraka ny ambin'ilay rà rehetra eo amin'ny fanambanin'ny alitara izy. 31 Hanala ny sabora rehetra izy, tahaka ny nanesorana ny sabora tamin'ny soron'ny fanati-pihavanana. Ho doran'ny mpisorona eo amin'ny alitara izany mba hamoaka fofona manitra ho an'i Yaveh. Hanao fanavotana ho an'ilay olona ilay mpisorona, ary ho voavela izy. 32 Raha mitondra zanak'ondry ho ataony sorona ho fanatitra nohon'ny ota ilay lehilahy, dia hitondra ondry vavy tsy misy kilema izy. 33 Hametraka ny tanany eo amin'ny lohan'ilay fanatitra nohon'ny ota izy ary hamono izany ho fanatitra nohon'ny ota eo amin'ny toerana izay hamonoan'izy ireo ny fanatitra dorana. 34 Ny mpisorona dia haka ny sombiny amin'ilay ràn'ny fanatitra nohon'ny ota amin'ny ratsan--tanany ary hametraka izany eo amin'ireo tandroky ny alitara ho fanatitra dorana, ary ho ararany eo amin'ny fanambanin'ny alitara avokoa ny ràn'izany. 35 Hanala ny sabora rehetra izy, tahaka ny nanesorana ny saboran'ilay zanak'ondry tamin'ny soron'ny fanati-pihavanana, ary ho doran'ny mpisorona eo amin'ny alitara eo ambonin'ny fanatitr'i Yaveh natao tamin'ny afo izany. Hanao fanavotana ho azy ny mpisorona nohon'ny ota izay nataony, ary ho voavela ilay lehilahy.
DH: "Niresaka tamin'i Mosesy Yaveh ary naniraka azy hiteny ami'ireo vahoakan'israely hoe: 'raha misy olona manota"
DH: "izay nandidian'i Yaveh mba tsy hataon'ireo vahoaka"
DH: "raha manao zavatra izay nandraran'Yaveh izy"
DH: "tsy maintsy manao ireto manaraka ireto izy"
Ny anarana "fanamelohana" dia azo aseho amin'ny mpamaritra. DH: "ka manao ny vahoaka ho meloka"
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"tsy maintsy mitondra omby lahy ilay mpisoronabe"
Io dia fihetsika atao mba hamantarana fa miaraka amin'ilay biby hatolony ilay olona. Manolotra ny tenany amin'io fomba io ho an'i Yaveh amin'ny alala'ny biby ilay olona, mba hamelan'Andriamanitra ny helok'ilay olona rehefa mamono ilay biby izy ireo. Jereo ny fomba nandikanao an'io tao amin'ny 1:3.
Io dia midika fa ilay mpisorona dia mitaty ny rà amin'ny lovia jobo rehafa mijininiaka avy amin'ilay biby izany.
"hampitete ...avy aminizany" na "hanapariaka ...avy amin'izany"
Io dia manondro ny zoron'ny alitara. Toy ny tandrok'omby ny endrik'izy ireo. DH: "ny sary hita eo amin'ny zoron'ny alitara"
"mandany ny ambin'ilay rà"
"eo ambanin'ilay alitara"
"hanala ...ilay mpisorona"
Ny filazana hoe: "hanala ...izy" dia azo apetraka any am-piandohan'nyfehezanteny. DH: "hanala ny sabora rehetra izay mandrakotra ny faritra anatiny ...miaraka amin'ireo voa"
Io dia ny vavoniny sy ny tsianiny.
Io dia faritry ny vatana eo an-kilan'ny hazon-damosina eo anelanelan'ny taola-tehezana sy ny taolan'andilana.
Io dia ny faritra boribory na lempona amin'ny aty. Io no heverina ho faritra tsara fihinana indrindra amin'ny aty. DH: "ny faritra matsiro indrindra amin'ny aty"
Ny filazana ny hoe "ho entiny ivelan'ny toby avokoa ireo ampahany ireo" dia azo apetraka any am-piandohan'ny fehezanteny. DH: "Ilay mpisorana dia hitondra ny hoditr'ilay ...vatan'ilay omby rehetra any ivelany"
Toerana masina sy mendrika ny mba hampiasaina hanompoana an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio ara-batana.
Eto, ny "izy ireo" dia manondro ireo mpisorona, ary ny "Ahy" dia manondro an'i Yaveh.
"tsy fantatra"
DH: "nandidiany azy izy mba tsy ho atao"
" ary raha meloka izy ireo" na "ary raha mendrika ny hosazian'Andriamanitra izy ireo"
DH: "rehefa tsapan'izy ireo fa nanota izy ireo"
Io dia fihetsika atao mba hamantarana fa miaraka amin'ilay biby hatolony ilay olona. Manolotra ny tenany amin'io fomba io ho an'i Yaveh amin'ny alala'ny biby ilay olona, mba hamelan'Andriamanitra ny helok'ilay olona rehefa mamono ilay biby izy ireo. Jereo ny fomba nandikanao an'io tao amin'ny 1:3.
DH: "ary ho vonoin'izy ireo ilay omby"
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Io dia midika fa ilay mpisorona dia nitaty rà amin'ny lovia jobo izy ireo raha nijininiaka avy amin'ilay biby izany
Io dia midika fa io dia lamba fanaronana eo amin'ny toerana masina indrindra.
"ilay mpisorona dia hanosotra"
Io dia manondro ny zoron'ilay alitara. Toy ny tandrok'omby ny endrik'ireo.
"handraraka ny ambin'ilay rà rehetra izy"
"ny sabora rehetra avy amin'ilay omby ary handoro ny sabora"
"no aoka ataon'ilay mpisorona"
Ny anarana "fanavotana" dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "Hanavotra ho an'ny fahotan'ireo vahoaka ilay mpisorona"
DH: "Hamela ny helok'izy ireo i Yaveh"
DH: " izay nandidian'i Yaveh mba tsy hataon'ireo vahoaka"
DH: "ary ho fantany fa efa nanota izy"
"Ilay mpisorona dia hametraka"
Io dia fihetsika atao mba hamantarana fa miaraka amin'ilay biby hatolony ilay olona. Manolotra ny tenany amin'io fomba io ho an'i Yaveh amin'ny alala'ny biby ilay olona, mba hamelan'Andriamanitra ny helok'ilay olona rehefa mamono ilay biby izy ireo. Jereo ny fomba nandikanao an'io tao amin'ny 1:3.
"eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh" na "eo amin'i Yaveh"
Io dia midika fa ilay mpisorona dia hitaty rà amin'ny lovia jobo izy ireo rehefa mijininiaka avy amin'ilay biby izany.
Io dia manondro ireo zoron'ilay alitara. Toy ny tandrok'omby ny endrik'izy ireo. Jereo ny nandikanao azy tao amin'ny 4:6.
"Ho doran'ilay mpisorona"
Ny anarana "fanavotana" dia nazo adika amin'ny matoanteny. DH: "Hanavotra ho an'ilay mpisorona"
DH: "Hamela ny helok'ilay mpanapaka i Yaveh"
Ireo vahoakan'Israely rehetra dia norarana mba tsy hanota. DH: nandidian'i Yaveh tsy hataon'ireo vahoaka"
DH: "mahalala fahotana izay nataony izy"
Io dia fihetsika atao mba hamantarana fa miaraka amin'ilay biby hatolony ilay olona. Manolotra ny tenany amin'io fomba io ho an'i Yaveh amin'ny alala'ny biby ilay olona, mba hamelan'Andriamanitra ny helok'ilay olona rehefa mamono ilay biby izy ireo. Jereo ny fomba nandikanao an'io tao amin'ny 1:3.
Io dia midika fa ilay mpisorona dia hitaty rà amin'ny lovia jobo izy ireo rehefa mijininiaka avy amin'ilay biby izany.
Io dia manondro ireo zoron'ilay alitara. Toy ny tandrok'omby ny endrik'izy ireo. Jereo ny nandikanao azy tao amin'ny 4:6.
"ny rà sisa tavela ao anatin'ilay lovia jobo"
Eto, ny "izy" dia manondro ilay olona manao sorona.
DH: tahaka ny nanesoran'ny olona ny sabora"
"ho dorany ny sabora"
Ny fahafahampon'i Yaveh amin'ny mpanompo tso-po manatitra ny fanatitra dia resahina toy ny hoe afapo ny amin'ilay hanitr'ilay fanatitra dorana Yaveh. Jereo ny nandikanao an'io tao amin'ny 1:7.
Ny anarana "fanavotana" dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "hanavotra ho an'ny fahotan'ny olona ilay mpisorona"
DH: "Hamela ny fahotan'ilay olona i Yaveh"
Io dia fihetsika atao mba hamantarana fa miaraka amin'ilay biby hatolony ilay olona. Manolotra ny tenany amin'io fomba io ho an'i Yaveh amin'ny alala'ny biby ilay olona. Jereo ny fomba nandikanao an'io tao amin'ny 1:3.
"eo amin'ny toerana hamonoan'ireo mpisorona"
Io dia manondro ny zoron'ilay alitara. Toy ny tandrok'omby ny endrik'ireo. Jereo ny nandiakanao azy tao amin'ny 4:6.
"ho ararany ...ny ambin'ny ràny"
Eto, ny "izy" dia manondro ilay olona manao sorona.
DH: "tahaka ny nanesoran'ny olona ny saboran'ilay zanak'ondry"
"ho doran'ny mpisorona ...ilay sabora"
DH: "fanatitra dorana ho an'i Yaveh"
Ny anarana "fanavotana" dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "hanavotra ho an'ny ota izay nataon'ilay olona"
DH: "Hamela fahotan'ilay lehilahy i Yaveh"
1 Raha misy olona iray manota satria tsy nijoro izy tamin'ny zavatra izay nilàna ny fijoroany valovolombelona, na efa nahita izany izy na nahare momban'izany, dia ho tompon'andraikitra izy. 2 Na raha misy olona mikasika izay zavatra efa voatokan'Andriamanitra ho maloto, na ny fatin'ny bibidia maloto izany na ny fatin'ny biby fiompy izay efa maty, na biby mandady, na dia tsy nihevitra ny hikasika izany aza ilay olona, dia maloto sy meloka izy. 3 Na raha mikasika ny fahalotoan'ny olona iray, na inona na inona izany fahalotoana izany, ary raha tsy mahafantatra izany izy, dia ho meloka izy rehefa mahalala ny momba izany. 4 Na raha misy olona mianiana mafy amin'ny molony hanao ratsy, na hanao ny tsara, na inona na inona ianianan'izany lehilahy izany mafy amin'ny fianianana, na dia tsy mahafantatra izany aza izy, rehefa mahalala ny momba izany izy, dia ho meloka, amin'ireo rehetra ireo. 5 Raha meloka amin'izany rehetra izany ny olona iray, dia tsy maintsy miaiky izay heloka rehetra nataony izy. 6 Dia aoka izy hitondra fanatitra noho ny heloka amin'i Yaveh nohon'ny fahotana izay efa vitany, biby vavy iray avy amin'ny ondry aman'osiny, na zanak'ondry na osy, ho an'ny fanatitra nohon'ny ota, ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho azy mahakasika ny fahotany. 7 Raha toa tsy mahavita mividy zanak'ondry izy, dia mahazo mitondra domoina roa na voromailala vantony roa ho an'i Yaveh izy ho fanatitra nohon'ny heloka nohon'ny fahotany, iray ho an'ny fanatitra nohon'ny ota ary iray hafa ho fanatitra dorana. 8 Aoka izy hitondra ireo any amin'ny mpisorona, izay hanolotra iray aloha ho an'ny fanatitra nohon'ny ota—hanolana ny lohan'izany izy nefa tsy hanala izany tanteraka amin'ny vatana. 9 Avy eo dia hamafy ampahany amin'ilay ràn'ny fanatitra nohon'ny ota eo amin'ny ilan'ny alitara izy, ary handraraka ny sisan'ny rà eo amin'ny fanambanin'ny alitara izy. Izany no fanatitra noho ny ota. 10 Manarak'izany dia aoka izy hanolotra ny vorona faharoa ho fanatitra dorana, araka ny voafaritra tao amin'ireo torolalana, ary hanao fanavotana ho azy noho ny ota izay efa vitany ny mpisorona, ka dia ho voavela ny helok'ilay olona. 11 Kanefa raha toa tsy mahatakatra domoina roa na voromailala roa izy, ho sorona noho ny fahotany dia aoka izy hitondra ampahafolon'efaha amin'ny koba tsara toto ho an'ny fanatitra noho ny ota. Aoka izy tsy hanisy diloilo na ditin-kazo manitra amin'izany, satria fanatitra noho ny ota izany. 12 Aoka izy hitondra izany any amin'ny mpisorona, ary haka iray tanana amin'izany ny mpisorona ho fanati-pahatsiarovana ary avy eo handoro izany eo amin'ny alitara, eo an-tampon'ireo fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. Izany no fanatitra nohon'ny ota. 13 Hanao fanonerana ho an'izay fahotana vitan'ny olona ny mpisorona, ary dia ho voavela izany olona izany. Ireo sisa avy amin'ny fanatitra dia ho an'ny mpisorona, tahaka ny amin'ny fanatitra voa.'" 14 Dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 15 "Raha misy olona mandika didy sy manota ireo zavatra izay an'i Yaveh, saingy nanao izany tsy nahy, dia aoka izy hitondra ny fanatiny nohon'ny heloka ho an'i Yaveh. Izany fanatitra izany dia tsy maintsy ondry lahy tsy misy kilema avy amin'ireo ondry aman'osy; ny lanjan'izany dia aoka ho tombanana amin'ny sekely volafotsy—ny sekelin'ny fitoerana masina—ho fanatitra nohon'ny heloka. 16 Aoka izy hanao izay mahafapo an'i Yaveh noho izay ratsy efa vitany mifandray amin'ny masina, ary aoka izy hanampy iray ampahadimy amin'izany ary hanome izany ho an'ny mpisorona. Dia hanao fanonerana ho azy amin'ny ondrilahin'ny fanatitra noho ny heloka ny mpisorona, ka dia ho voavela izany olona izany. 17 Raha misy olona manota sy manao izay zavatra efa nodidian'i Yaveh tsy ho atao, na dia tsy nahafantatra izany aza izy, dia mbola meloka izy ka tsy maintsy hilanja ny helony ihany. 18 Aoka izy hitondra ondry lahy iray tsy misy kilema avy amin'ireo ondry aman'osy, izay mendrika ny tombam-bidiny, ho fanatitra nohon'ny heloka ho an'ny mpisorona. Avy eo dia hanao fanonerana ho azy mahakasika ny fahotana izay efa vitany ny mpisorona, amin'izay tsy nahafantarany, ka dia ho voavela izy. 19 Izany no fanatitra nohon'ny heloka, ary dia meloka tokoa izy eo anatrehan'i Yaveh."
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Ny lalàna Jiosy sy ireo mpitarika dia samy mitaky ny fijoroan'ilay olona raha misy mijoro vavolombelona amin'ny heloka bevava iray. DH: "zavatra izay ilàn'ny mpitsara ny fanambarany"
Ny zavatra izay nambaran'Andriamanitra ho tsy mendrika kasiana sy hohanin'ny olona dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Ny olona izay tsy ankasitrahin'ny sitrapon'Andriamanitra dia reszahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny ilay olona.
Ny anarana "fahalotoana" dia azo adika amin'ny mpamaritra. DH: "raha mikasika ny zavatra izay mampaloto ny olona izy"
Ny zavatra izay nambaran'i Yaveh ho tsy mendrika kasihana na hohanin'ny olona iray dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
"tsy mahatsapa izany izy" na "tsy mahalala ny momba izany izy"
Eto, ny "molony" dia manondro ilay olona iray manontolo. DH: "raha misy olona miniana mafy"
Io dia midika fanaovana fianianana tsy arahina fisainana lalina ny amin'izany. Io dia midika fa aorian'ny fanaovan'ilay olona fianianana dia na tsy tanterany izany na tsy te hanatanteraka izany izy.
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Ny anarana "fanavotana" dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "hanavotra ho azy ilay mpisorona"
"Raha tsy manana vola ampy mba hividianana zanak'ondry izy"
"hamono izany amin'ny alalan'ny fanolanana ny lohany sy ny fanapahana ny tendany, saingy tsy ataony miala ny lohan'izany"
DH: "araka izay natoron'i Yaveh"
Ny anarana "fanavotana" dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "hanavotra ho an'ny fahotana izay nataon'ilay olona ilay mpisorona"
DH: "Hamela ny helok'ilay olona Yaveh"
Ny iray efaha dia 22 litatra. Ny iray ampahafolon'ny efaha dia eo ho eo amin'ny roa litatra eo.
Io dia ampahany iray amin'ny folo zaraina mitovy.
"Aoka izy hitondra ny koba tsara toto"
Ny iray tanana amin'ny fanatitra voa dia mampiseho ilay fanatitra voa iray manontolo. Izany hoe ilay fanatitra manontolo dia an'i Yaveh. Jereo ny fomba nandikanao an'io tao amin'ny 2:1.
DH: "eo an-tampon'ny fanatitra dorana ho an'iYaveh"
Ny anarana "fanonerana" dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "hanonitra"
DH: "Hamela ny fahotan'izany olona izany i Yaveh"
Izany hoe, ny olona nanota tamin'ny alalan'ny tsy fanomezana an'i Yaveh izay nandidian'i Yaveh azy mba hatolony. DH: "manota amin'ny alalan'ny tsy fanomezana an'i Yaveh izay an'i Yaveh"
DH: "aoka izy hamaritra hoe firy sekely no mifanaraka amin'ilay zanak'ondry lahy"
Ny iray sekely dia eo ho eo amin'ny 11 grama eo ny lanjany.
Io dia midika fa mety ho nisy fomba roa fara fahakeliny nandrefesana ny sekely. Io dia manondro ny fomba nandanjan'ireo mpisorona eo amin'ny fitoerana masina ny iray sekely. DH: "Ny fenitra ofisialin'ny lay voahasina" (UDB)
Io dia anarana hafa hilazana ny trano-lay masina.
ampahadimy- Io dia midika fa manefa iray ampahadiminy ambonin'izay hohefainy amin'i Yaveh ilay olona.
ampahadimy- Io dia ny ampahany iray amin'ny dimy zaraina mitovy.
Ny anarana "fanonerana" dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "hanonitra ho azy ilay mpisorona"
DH: "Hamela ny helok'izany olona izany i Yaveh"
DH: "nandidiana ireo vahoaka mba tsy hatao"
Ny fahotan'ny olona iray dia resahina toy ny hoe zavatra mivaingana izay azo entina. Eto ny teny "fahotana" dia mampiseho ny fanasaziana ny amin'izany fahotana izany. DH: "tompon'andraikitra ny amin'ny fahotany izy" na "Hanasazy azy ny amin'ny fahotany i Yaveh"
Io dia midika fa ilay olona dia tsy maintsy mamaritra ny tokony ho tomban'ny sekely mendrika ilay zanak'ondryamin'ny alalan'ny fampiasana ny fenitra ofisialin'ny lay voahasina. Jereo ny 5:14.
DH: "Hamela ny helony i Yaveh.
"Hihevitra zy ho meloka tokoa i Yaveh"
1 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 2 "Raha misy olona manota ary mandika ny lalàna manohitra an'i Yaveh, toy ny hoe mifampiraharaha ambadika miaraka amin'ny namany mahakasika ny zavatra izay nankinina taminy, raha mamitaka izy na mandroba azy, na nampahory ny namany, 3 na nahita zavatra izay noverezin'ny namany ka mandainga ny amin'izany, ary mianiana amin'ny lainga, na ny amin'ireo zavatra tahaka ny hanotan'ny olona, 4 dia, raha manota izy ka meloka, dia tsy maintsy hamerina izay rehetra nalainy tamin'ny alalan'ny fandrobana na fampahoriana na naka izay nankinina taminy na zavatra very ka hita indray. 5 Na nandainga ny amin'ny zava-drehetra izy, dia tsy maintsy hamerina manontolo izany ary tsy maintsy hanampy iray am-pahadimy honerana amin'izay tompon'izany, amin'ny andro izay naha meloka azy. 6 Dia tsy maintsy hitondra ny fanati-panonerany ho an'i Yaveh izy: ondry lahy tsy misy kilema avy amin'ny ondry aman'osy izay mendrika ny tombam-bidiny, ho fanati-panonerana ho an'ny mpisorona. 7 Hanao fanavotana ho azy eo anoloan'i Yaveh ny mpisorona, ary ho voavela amin'izay rehetra nahatonga azy ho meloka amin'ny ny nataony izy." 8 Dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 9 "Didio i Arona sy ireo zanany, lazao hoe: 'Izao no lalàn'ny fanatitra dorana: Tsy maintsy eo ambony fatan'ny alitara mandritra ny alina manontolo mandra-paraina ny fanatitra dorana, ary ny afon'ny alitara dia havela hirehitra hatrany. 10 Hanao ny akanjo rongony fotsiny ny mpisorona, ary hanao ny atin'akanjo rongony fotsiny ihany koa izy. Haka ireo lavenona izay tavela taorian'ny nandevenan'ny afo ny fanatitra dorana eo ambony alitara izy, ary hametraka ireo lavenona eo akaikin'ny alitara. 11 Hanala ireo fitafiny izy ary hampiditra ireo akanjony hafa mba hitondrana ireo lavenona hivoaka ny toby ho any amin'ny toerana izay madio. 12 Ny afo eo amin'ny alitara dia havela hirehitra hatrany. Aoka tsy hivoaka izany, ary ireo mpisorona dia handoro hazo eo ambonin'izany isa-maraina. Handamina ny fanatitra dorana araka izay takiana amin'izany izy, ary handoro ny saboran'ny fanati-pihavanana izy. 13 Avela hirehitra eo ambony alitara mandrakariva ny afo. Aoka tsy hivoaka izany. 14 Izao no lalàn'ny fanatitra voa. Hanolotra izany eo anoloan'i Yaveh manoloana ny alitara ireo zanaka lahin'i Arona. 15 Haka koba tsara toto eraky ny tanana amin'ny fanatitra voa sy amin'ny diloilo ary ditin-kazo manitra izay eo ambonin'ny fanatitra voa ny mpisorona, ary handoro izany eo ambony alitara mba hamoaka fofona manitra tahaka ny fanati-pahatsiarovana izany. 16 Hihinana izay sisa amin'ny fanatitra i Arona sy ireo zanany lahy. Tsy maintsy hohanina tsy misy lalivay ao amin'ny fitoerana masina izany. Hihinana ao amin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana izy ireo. 17 Aoka tsy handrahoina miaraka amin'ny lalivay izany. Nomeko ho anjaran'izy ireo amin'ny fanatitro natao tamin'ny afo izany. Masina indrindra izany, tahaka ny fanatitra nohon'ny ota ary fanati-panonerana izany. 18 Fa mandritra ireo fotoana rehetra hatongavan'ireo taranakao fara mandimby, ireo taranaka lahy sasany avy amin'i Arona dia aoka hihinana izany tahaka ny fizaràny, nalaina avy tamin'ireo fanatitr'i Yaveh natao tamin'ny afo. Na iza na iza mikasika izany dia ho tonga masina."' 19 Ka niteny tamin'i Mosesy indray i Yaveh, nanao hoe: 20 "Izao no fanatitr'i Arona sy ireo zanany lahy, izay homen'izy ireo an'i Yaveh amin'ny andro izay hanosorana ireo zanaka lahy rehetra: ny ampahafolon'ny efaha iray amin'ny koba tsara toto ho fanatitra voa fanao mahazatra, antsasany amin'izany amin'ny maraina ary ny antsasany amin'izany amin'ny hariva. 21 Ho vita amin'ny menaka anaty lasitra mofo izany. Rehefa vonto menaka izany, dia ho entinao miditra. Voaendy no hanoloranao ny fanatitra voa mba hamoaka hanitra malefaka ho an'i Yaveh. 22 Ny zanaka lahin'ny mpisoronabe izay tonga ho mpisoronabe vaovao amin'ireo zananilahy no hanolotra izany. Araka ny efa nandidiana hatrizay, dia hodorana ho an'i Yaveh avokoa izany. 23 Ny fanatitra voan'ny mpisorona dia ho dorana manontolo. Aoka tsy ho hoanina izany." 24 Niteny tamin'i Mosesy indray i Yaveh, nanao hoe: 25 "Mitenena amin'i Arona sy ireo zanany lahy, manao hoe: "Izao no lalàn'ny fanatitra noho ny fahotana: Ny fanatitra nohon'ny fahotana dia tsy maintsy vonoina eo amin'ny toerana izay namonoana ny fanatitra dorana eo anoloan'i Yaveh. Izany no masina indrindra. 26 Ny mpisorona izay hanolotra izany ho an'ny fahotana dia hihinana izany. Tsy maintsy hohanina any amin'ny fitoerana masina ao amin'ny kianjan'ny tranolay fihaonana izany. 27 Na iza na iza mikasika ny henan'izany dia ho tonga masina, ary raha misy rà mifafy amin'ny akanjo, dia tsy maintsy sasana any amin'ny toerana masina ny faritra izay nipitihany. 28 Fa ny vilany tanimanga izay nampangotrahana izany dia hovakiana. Raha nampangotrahana tanaty vilany varahina izany, dia aoka hokosehina sy hosasana madio amin'ny rano izany. 29 Ny lehilahy sasany amin'ireo mpisorona dia mahazo mihinana amin'izany satria masina indrindra izany. 30 Fa raha misy fanatitra nohon'ny fahotana ka entina ao amin'ny trano-lay fihaonana mba hanaovana fanonerana ny ràny dia aoka tsy hohanina. Aoka hodorana izany.
"tsy mankatò ny iray amin'ny lalàn'i Yaveh"
DH: "mandainga amin'ny namany ny amin'ny zavatra izay zavatra nampindramina azy"
Eto, ny "namany" dia midika ireo Israely rehetra, fa tsy izay mipetraka akaiky ihany.
DH: "tsy namerina ny zavatra nampindramina azy"
"feno" na"tanteraka"
ampahadimy- Io dia midika fa tsy maintsy tsy maintsy manefa izany tokony hohefainy ilay olona ary manampy iray ampahadiminy amboniny amin'ny lanjan'izany. Jereo ny nandikanao ny tao amin'ny 5:14.
DH: "hanefa izay hananan'ilay olona aminy"
Ilay olona izay nangalatra dia entina eo anatrehan'ny mpitsara mba hambara ho meloka. DH: "manambara azy ho meloka ny mpitsara"
Io dia midika fa ilay olona dia tsy maintsy mamaritra ny tokony ho tomban'ny sekely mendrika ilay zanak'ondryamin'ny alalan'ny fampiasana ny fenitra ofisialin'ny lay voahasina. Azonao hazavaina ilay fampahafantarana efa fantatra. Jereo ny nandiakanao azy ao amin'ny 5:14.
Ny anarana "fanavotana" dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "havotra ho azy ilay mpisorona"
"eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
Io dia midika fa Yaveh no hamela ilay olona, fa tsy ilay mpisorona. DH: "Hamela azy Andriamanitra"
DH: "dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka naniraka azy handidy an'i Arona sy ireo zanany lahy, manao hoe: 'izao no lalàna"
"tsy maintsy eo ambonin'ny alitara"
DH: "tsy maintsy ataonao mirehitra hatrany ny afon'ny alitara"
Ny rongony fotsy dia akanjo fotsy. DH: "ny akanjo fotsiny"
"Hanangona ireo lavanona ...izy"
Ny fandoran'ny afo tanteraka ilay fanatitra dorana dia resahina toy ny hoe nandevona na nanafoana ilay fanatitra dorana izany.
Ny toerana izay mendrika ampiasaina ho an'ny fikasan'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
DH: "Hamela ny afo hirehitra eo amin'ny alitara hatrany ilay mpisorona"
DH: "araka izay takian'Andriamanitra amin'izany"
Ny fahafahampon'i Yaveh amin'ny mpanompo tso-po manatitra ny fanatitra dia resahina toy ny hoe afapo ny amin'ilay hanitr'ilay fanatitra dorana Yaveh. Jereo ny nandikanao an'io tao amin'ny 1:7.
Ny iray tanana amin'ny fanatitra voa dia mampiseho ilay fanatitra voa iray manontolo. Izany hoe ilay fanatitra manontolo dia an'i Yaveh. Jereo ny fomba nandikanao an'io tao amin'ny 2:1.
"tsy maintsy mihinana izany izy ireo"
DH: "aza andrahoina miaraka amin'ny lalivay izay"
DH: "fanatitra dorana"
Io dia fampitandremana an-kolaka fa ireo izay tsy taranaka lahin'i Arona dia tsy tokony hikasika izany fanatitra izany. Ny dika fenon'io fanambarana io dia azo atao mazava.
Io dia midika fa izy ireo dia ho voahosotra rehefa lasa mpisorona. Ny dika fenon'io fanambarana io dia azo atao mazava. DH: "rehefa manosotra ny zazalahy rehetra izy, manao azy ireo ho mpisorona"
Ny iray efaha dia 22 litatra. Ny iray ampahafolon'ny efaha dia eo hoe eo amin'ny 2 lilatra eo.
Io dia ampahany iray amin'ny folo zaraina mitovy.
DH: "Izany dia hataonao amin'ny"
Io dia lovia matevina vita amin'ny tanimanga na vy. Apetraka eo ambony afo ilay lovia, ary masaka eo ambonin'ilay lovia ny koba. Jereo ny nandikanao ny "lasitra vy fisaka" tao amin'ny 2:4.
"rehefa mandon'ny menaka tanteraka ilay koba"
Eto, ny "ianao" dia manondro ilay olona manatitra ny sorony.
Ny fahafahampon'i Yaveh amin'ny mpanompo tso-po manatitra ny fanatitra dia resahina toy ny hoe afapo ny amin'ilay hanitr'ilay fanatitra dorana Yaveh. Jereo ny nandikanao an'io tao amin'ny 1:7.
DH: "Araka izay efa nandidian'i Yaveh anao"
DH: "tsy mandoro izany rehetra izany izy"
DH: "tsy maintsy dorany tanteraka izany"
DH: "tsy misy mahazo mihinana izany"
DH: "Niteny tamin'i Mosesy indray i Yaveh ary naniraka azy hiteny amin'i Arona sy ireo zanany lahy, manao hoe: 'Izao no lalàna"
Yaveh dia miteny amin'i Arona sy ireo zanany lahy, saingy ireo didy amam-pitsipika ireo dia mihatra amin'ireo mpisorona izay manatanteraka ny sorona. Ny dika fenon'io fanambarana io dia azo atao mazava.
Azo hazavaina fa io dia manondro ny ilany avaratry ny alitara.
DH: "tsy mamono ny fanatitra nohon'ny fahotana ianareo"
"eo amin'i Yaveh"
DH: "tsy maintsy mihinana izany ianareo"
Io dia fampitandremana an-kolaka fa tsy misy tokony hikasika ilay henan'ny fanatitra nohon'ny fahotana ireo izay eo akaikin'ireo mpisorona. Ny dika fenon'io dia azo atao mazava.
DH: "Tsy maintsy potehinao ny vilany tanimanga izay nampangotrahana ilay hena"
DH: "raha nampangotraka hena tamin'ny vilany varahina ianareo, dia tsy maintsy mikosoka ilay vilany ianareo ary manasa izany amin'ny rano madio"
DH: "tsy misy mahazo mihinana ilay fanatitra nohon'ny fahotana"
DH: "avy amin'izany no hakan'ny mpisorona ny rà ho ao amin'ny trano-lay fihaonana"
DH: "Aoka hodoran'ilay mpisorona izany"
1 Izao no lalàna amin'ny fanatitra nohon'ny heloka. Izany no masina indrindra. 2 Aoka izy ireo hamono ny fanatitra nohon'ny heloka eo amin'ny toerana famonoana izany, ary aoka izy ireo hanaparitaka ny rà isaky ny lafin'ny alitara. 3 Ny sabora rehetra eo amin'izany dia ho atolotra: ny rambo matavy, ny sabora izay manodidina ny ao anatiny, 4 ny voa roa sy ny sabora eo amin'izany, izay manakaiky ny valahany, ary izay mandrakotra ny aty, miaraka amin'ireo voa—dia aoka ho esorina avokoa izany rehetra izany. 5 Aoka handoro ireo faritra ireo eo amin'ny alitara ny mpisorona mba ho fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. Izany no fanatitra nohon'ny heloka. 6 Ny lehilahy tsirairay eo amin'ny mpisorona dia aoka hihinana ny ampahany amin'io fanatitra io. Aoka hohanina eo amin'ny fitoerana masina izany satria masina indrindra. 7 Tahaka ny fanatitra nohon'ny heloka ny fanatitra nohon'ny ota. Mitovy ny lalàna mihatra amin'izy ireo. Ireo dia an'ny mpisorona izay manao fanonerana amin'izy ireo. 8 Ny mpisorona izay manolotra fanatitra doran'ny olona dia tokony hanana ny hoditr'izany sorona izany ho azy. 9 Ny fanatitra voa rehetra izay nandrahoina tao anaty lafaoro, sy ny fanatitra toy izany rehetra izay nendasina tamin'ny lasitra fanendasana na nandrahoina tamin'ny lasitra fandrahoana dia ho an'ny mpisorona izay nanolotra izany. 10 Ny fanatitra voa rehetra, na maina na nafangaro tamin'ny menaka, dia ho an'ny taranak'i Arona rehetra ihany koa. 11 Izao no lalàna amin'ny soron'ny fanati-pihavanana izay ho hatolotry ny olona ho an'i Yaveh. 12 Raha misy manatitra izany mba ho fanomezam-pisaorana, dia aoka izy hanolotra izany miaraka amin'ny soron'ny mofo tsy misy lalivay saingy nafangaro tamin'ny menaka, ny mofo tsy misy lalivay, saingy mihosotra menaka, ary ny mofo natao tamin'ny koba tsara toto izay nolaroina tamin'ny menaka. 13 Ao anatin'ny tanjon'ny fanomezam-pisaorana ihany koa, dia aoka izy hanolotra ampempa-mofo nasiana lalivay miaraka amin'ny fanati-pihavanany. 14 Aoka izy hanolotra karazany iray avy amin'ireo sorona ireo ho fanatitra haseho eo amin'i Yaveh. Ho an'ny mpisorona izay nanaparitaka ny ràn'ny fanati-pihavanana teo amin'ny alitara izany. 15 Aoka ilay olona izay maneho ny fanati-pihavanana mba ho fanomezam-pisaorana hihinana ny henan'ny fanatiny amin'ny andron'ny sorona. Aoka tsy hamela sisa amin'izany mandra-paharainan'ny andro izy. 16 Fa raha ho amin'ny voady ny soron'ny fanatiny, na ho amin'ny fanatitra an-tsitrapo, dia aoka hohanina amin'ny andro izay hanaterany ny sorony ny hena, fa na inona na inona mety ho sisa amin'izany dia azo hanina ny ampitson'iny. 17 Na izany aza, na inona na inona henan'ny sorona tavela amin'ny andro fahatelo dia aoka ho dorana. 18 Raha misy henan'ny sorona amin'izay fanati-pihavanana nohanina amin'ny andro fahatelo, dia tsy ho ekena izany, na ho tanan'izay nanolotra izany. Ho zavatra maharikoriko izany, ary ny olona izay mihinana izany dia hitondra ny heloky ny otany. 19 Izay hena mikasika zavatra maloto dia aoka tsy hohanina. Aoka ho dorana izany. Ny amin'ny sisan'ny hena, dia azon'ireo olona madio hoanina izany. 20 Na izany aza anefa, izay olona maloto mihinana hena avy amin'ny soron'ny fanati-pihanavanana izay an'i Yaveh— dia aoka izany olona izany ho esorina eo amin'ny vahoakany. 21 Raha misy olona mikasika zavatra maloto—na fahalotoan'olona, na biby maloto, na zavatra maloto sy maharikoriko hafa, ary raha mihinana tamin'ilay soron'ny fanati-pihavanana izay an'i Yaveh izy avy eo, dia aoka izany olona izany ho esorina eo amin'ny vahoakany.'" 22 Ary niteny tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 23 "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely ary lazao hoe: 'Aoka ianareo tsy hihinana ny saboran'ny omby na ondry na osy. 24 Ny saboran'ny biby izay maty tsy tamin-tsorona, na ny saboran'ny biby noviravirain'ny bibidia, dia azo ampiasaina amin'ny zavatra hafa, fa aoka ianareo tsy hihinana izany mihitsy. 25 Na iza na iza olona mihinana ny saboran'ny biby izay mety ataon'ny olona ho sorona natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, dia aoka ho esorina amin'ny vahoakany izany olona izany. 26 Aoka ianareo tsy hihinana rà na avy amin'inona na avy amin'ny inona ao an-tranonareo, na avy amin'ny vorona izany na biby. 27 Na iza na iza mihinana rà, dia aoka ho esorina eo amin'ny vahoakany izany olona izany.'" 28 Koa niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh ary niteny hoe: 29 "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely ary lazao hoe: 'Aoka hitondra anjara sorona ho an'i Yaveh izay manatitra ny fanatitry ny sorom-pihavanana ho an'i Yaveh. 30 Ny fanatitra ho an'i Yaveh izay hatao amin'ny afo, dia aoka ny tanany ihany no hitondra izany. Aoka izy hitondra ny sabora miaraka amin'ny tratra, ka aoka hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anoloan'i Yaveh izany. 31 Aoka ny mpisorona handoro ny sabora eo amin'ny alitara, fa ny tratrany dia an'i Arona sy ireo taranany. 32 Aoka homenareo ny mpisorona ny feny havanana ho fanatitra aseho ao amin'ny soron'ny fanati-pihavananareo. 33 Ny mpisorona, iray amin'ireo taranak'i Arona, izay manolotra ny ràn'ny fanati-pihavanana sy ny sabora—dia hahazo ny feny havanana izy ho toy ny anjarany amin'ny fanatitra. 34 Fa efa noraisiko tamin'ny vahoakan'Israely, ny tratran'ny fanatitra ahevaheva, sy ny feny izay fandraisana anjara, ary ireo dia nomena an'i Arona mpisorona sy ireo zanany lahy ho anjara mahazatra ho azy ireo. 35 Izany no anjara ho an'i Arona sy ny taranany avy amin'ny fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, tamin'ny andro izay nanoloran'i Mosesy azy ireo mba hanompo an'i Yaveh amin'ny asa maha mpisorona. 36 Izany no anjara izay nandidian'i Yaveh homena azy ireo avy amin'ny vahoakan'Israely, tamin'ny andro nanosorany ny mpisorona. Izany hatrany no ho anjaran'izy ireo hatramin'ny taranaka fara-mandimby. 37 Izany no lalàna amin'ny fanatitra dorana, amin'ny fanatitra voa, amin'ny fanatitra nohon'ny ota, amin'ny fanatitra nohon'ny heloka, ny fanati-panokanana, sy ny soron'ny fanati-pihavanana, 38 izay efa nanomezan'i Yaveh didy an'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay tamin'ny andro izay nandidiany ny vahoakan'Israely mba hanolotra ny soron'izy ireo ho an'i Yaveh tany an-tany efitr'i Sinay.'"
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy lazainy amin'i Arona sy ireo zanany lahy i Yaveh.
Io dia azo hazavaina fa io dia manondro toerana izay hamonona ilay biby hatao fanatitanohon'ny fahotana. Jereo ny 1:10.
DH: "Tsy maintsy manolotra ny sabora rehetra ao amin'izany ilay mpisorona"
Io dia ny vavoniny sy ny tsinainy.
adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:3 ireo teny ireo.
Io dia faritry ny vatana eo an-kilan'ny hazon-damosina eo anelanelan'ny taola-tehezana sy ny taolan'andilana. Jereo ny fomba nandikanao an'io tao amin'ny 3:3.
DH: "aoka ho esorin'ilay mpisorona avokoa izany"
DH: "ho fanatitra dorana"
DH: "tsy hohanin'izy ireo izany"
"mitovy lalàna ho an'ireo"
Ny anarana "fanonerana" dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "an'ny mpisoroana izay manolotra ny sorona mba hanonerana ny fahotan'ny olona"
Ny fonony na ny hoditry ny biby
DH: "izay andrahoin'ny olona amin'ny lafaoro ...izay endasin'y olona amin'ny vilany fanendasana"
Io dia mety ho fitaovana poak'aty vita tamin'ny tanimanga. Arehitra ao ambanin'ilay lafaoro ny afo, ary ny hafanana no manamasaka ny koba ao anatin'ilay lafaoro. Jero ny nandikanao izany ao amin'ny 2:4.
Ny lasitra fanendasana dia lovia vy misy sisiny boribory. Apetraka eo ambonin'ilay lasitra ny koba ary andrahoina eo ambony afo. Jereo ny fomba nandikanao ny "lasitra" ao amin'ny 2:6.
Io dia lovia izay vita tamin'ny tanimanga na vy. Apetraka eo ambony afo ilay lovia , ary masaka eo ambon'ilay lovia ny koba. Jereo ny nandikanao ny "lasitra vy fisaka" ao amin'ny 2:4.
DH: "ny mofo namboariny tsy misy lalivay fa kosa mifangaro amin'ny menaka"
Eto, ny "mofo" dia manondro mofo matevina.
DH: "ny mofo manify tsy misy lalivay fa kosa mihosotra menaka"
Eto, ny "mofo" dia manondro mofo manify.
DH: "DH: "mofo namboariny tsy misy lalivay fa kosa voalaro tamin'ny menaka"
Eto, ny "mofo" dia manondro mofo matevina. Mitovy amin'ilay karazana mofo teo aloha ihany io fa kosa natao tamin'ny koba tena malemy indrindra.
DH: "ampempa-mofo namboariny misy lalivay"
Io dia manondro mofo matevina.
ilay olona izay manolotra"
Ny anarana "fisaorana" dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "mba ho enti-misaotra an'i Yaveh"
DH: "aoka izy hihinana ny hena ...azony hohanina izany"
Io dia laharan'isa fahatelo. DH: "aorian'ny andro faharoa"
DH: "aoka ho doran'ilay olona izany"
DH: "Raha misy mihinana ny henan'ny soron'ny fanati-pihavanana amin'ny andro fahatelo"
DH: "Tsy hanaiky izany Yaveh"
DH: "na hankasitraka ny sorona izay natolotr'ilay olona i Yaveh"
Ny olona iray izay tompon'andraikitra amin'y otany dia resahina toy ny hoe mitondra ilay ota ara-batana izy.
DH: "Tsy azon'iza n'iza hanina ny hena izay mikasika amin'ny zavatra maloto"
Zavatra izay voalazan'Andriamanitra ho tsy mendrika kasihana na hohanina dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana.
DH: "Aoka ho doranao izany"
Ny olona izay ankasitrahin'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe olona madio ara-batana.
Ny olona izay tsy ankasitrahin'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe olona maloto ara-batana.
Ny olona voahilika tao amin'ny fiaraha-monina dia resahina toy ny hoe efa voaroaka tsy ho eo amin'ny olony, tahaka ny olona iray mandrovitra singan-damba na manapaka rantsana avy amin'ny hazo iray. DH: "izany olona izany dia tsy honina miaraka amin'ny vahoakany intsony" na "aoka hosarahinao amin'ny vahoakany izany olona izany"
Zavatra izay voalazan'Andriamanitra ho tsy mendrika kasihana na hohanina dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana.
Eto, ny "olona" dia manondro ny olombelona rehetra amin'ny ankapobeny. DH: "na an'ny olona na an'ny biby"
"na zavatra maloto izay maharikoriko an'i Yaveh"
Ny olona voahilika tao amin'ny fiaraha-monina dia resahina toy ny hoe efa voaroaka tsy ho eo amin'ny olony, tahaka ny olona iray mandrovitra singan-damba na manapaka rantsana avy amin'ny hazo iray. Jereo fomba nandikana an'io ao amin'ny 7:19.
DH: "Ary niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ary naniraka azy hilaza amin'ireo vahaoakan'Israely hoe: 'aoka ianareo tsy hihinana sabora"
"maty kanefa tsy sorona"
DH: "ny saboran'ny biby izay novonoin'ny bibi-dia"
DH: "azonao ampiasaina"
DH: "fanatitra dorana"
Ny olona voahilika tao amin'ny fiaraha-monina dia resahina toy ny hoe efa voaroaka tsy ho eo amin'ny olony, tahaka ny olona iray mandrovitra singan-damba na manapaka rantsana avy amin'ny hazo iray. Jereo ny nandikanao aza ao amin'ny 7:19.
"Aoka tsy hihinana rà ianareo"
"ao amin'ny tranonareo tsirairay avy" na "na aiza na aiza ipetrahanareo"
DH: "avy eo dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ary naniraka azy hilaza amin'ireo vahoakan'Israely izao: 'izay manatitra"
Ny fanambarana "ny tanany ihany no hitondra izany" dia azo apetraka any am-piandohan'ny fehezanteny. DH: "izy tenany ihany no aoka hitondra ilay fanatitra izay kasainy ho dorana ho sorona ho an'i Yaveh"
Eto, ny "tanana" dia manondro ilay olona iray manontolo. DH: "aoka izy tenany ihany no hitondra"
faritra eo anoloan'ny vatan'ny biby izay eo ambanin'ny tendany.
DH: "mba ho azon'ny mpisorona hatolotra ho an'i Yaveh ho fanatitra ahevaheva izany"
Ny fanandratana ny fanatitra dia fihetsika fanehoana izay mampiseho fa ilay olona dia manolotra manokana ilay sorona ho an'i Yaveh.
Faritry ny tongotra eo ambonin'ny lohalika.
DH: "ary haseho ho fanatitra izany"
Eto, ny "-ko" dia manondro an'i Yaveh.
"izay nomena mba ho fanatitra"
DH: "ny fanatitra dorana ho an'i Yaveh"
DH: "izay nandidian'i Yaveh ireo vahoakan'Israely mba homena azy ireo"
"izay nanosoran'i Mosesy ireo mpisorona"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:15 ireo teny ireo.
Io dia fiafaran'ny teny izay nanomboka tao amin'ny 7:28.
1 Yaveh niteny tamin'i Mosesy, nanao hoe: 2 "Alaivo i Arona sy ireo zanany lahy miaraka aminy, ireo fitafiana sy ny diloilo fanosorana, ny omby lahy ho an'ny fanatitra nohon'ny ota, ny ondry lahy roa, ary ny harona fitoeran-mofo tsy misy masirasira. 3 Avondrony eo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana ny fiangonana rehetra." 4 Ka dia nanao araka izay nandidian'i Yaveh azy i mosesy, ary tonga niangona teo amin'ny fidirana mankany amin'ny tranolay fihaonana ny fiangonana. 5 Avy eo niteny tamin'ny fiangonana i Mosesy hoe: "Izao no nandidian'i Yaveh ho tanterahina." 6 Nentin'i Mosesy i Arona sy ireo zanany lahy ary nosasainy tamin'ny rano izy ireo. 7 Nampanaoviny an'i Arona ny akanjo lava ary nafatony teo amin'ny andilany ny hetra, nampitafiany tohitena izy ary nasiany efoda teny aminy, ary dia nafatony teo aminy ny efoda niaraka tamin'ny lamba voatenona madinika ka nofatorana teny aminy izany. 8 Napetrany teo aminy ny saro-tratra, ary tao anatin'ilay saro-tratra no nasiany ny Orima sy ny Tomima. 9 Nametraka ny hamama teo amin'ny lohany izy, ary tao anatin'ny hamama, teo anoloana, no nanasiany ny takela-bolamena, sy ny diadema masina, araka ny nandidian'i Yaveh azy. 10 Nandray ilay diloilo fanosorana i Mosesy, ka nanosotra ny tabernakely sy izay rehetra tao aminy ary nanokana ireny ho an'i Yaveh. 11 Namafy ny diloilo teo amin'ny alitara impito izy, ary nanosotra ny alitara sy ireo fanaka rehetra tao anatiny, ary ny tavy sy ny faladiany, mba hanokanana ireo ho an'i Yaveh. 12 Nandraraka ny sasany tamin'ny diloilo fanosorana tamin'ny lohan'i Arona izy ka nanosotra azy mba hanokanana azy. 13 Nentin'i Mosesy ireo zanaka lahin'i Arona ary nampitafiany akanjo lava izy ireo. Namatotra hetra tamin'ny andilan'izy ireo izy ary namono lamba rongony fotsy teny an-dohan'izy ireo, araka ny nandidian'i Yaveh azy. 14 Nitondra ny omby lahy ho amin'ny fanatitra nohon'ny ota i Mosesy, ary Arona sy ireo zanany lahy dia nametraka ny tanan'izy ireo teo amin'ny lohan'ilay ombilahy izay avy nentin'izy ireo ho amin'ny fanatitra nohon'ny ota. 15 Novonoiny izany, ary naka ny rà sy nametaka izany tanmoin'ny tandroky ny alitara tamin'ny fanondrony izy, nanadio ny alitara, nandraraka ny rà teo amin'ny fanambanin'ny alitara, ka nanokana izany ho an'Andriamanitra mba hanaovany fanonerana ho amin'izany. 16 Naka ny sabora rehetra izay tao anatiny izy, ny saron'aty, sy ireo voa anankiroa ary ny saborany, ary nandoro ireo teo amin'ny alitara i Mosesy. 17 Fa ilay omby lahy, ny hodiny, ny henany, sy ny tain-drorohany kosa dia nodorany ivelan'ny toby, araka ny nandidian'i Yaveh azy. 18 Nanolotra ny ondrilahy ho amin'ny fanatitra dorana i Mosesy, ary Arona sy ireo zanany lahy dia nametraka ny tanany teo amin'ny lohan'ilay ondry lahy. 19 Novonoiny izany ka nafafy manodidina ny lafin'ny alitara rehetra ny ràny. 20 Notetehiny ilay ondry lahy ary nodorana ny lohany sy ireo silany ary ny saborany. 21 Nosasainy tamin'ny rano ny atiny sy ny tongony, ary nodoro ny ondry lahy manontolo teo amin'ny alitara izy. Izany no fanatitra dorana ary namoaka hanitra mamerovero izany, fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 22 Avy eo dia nanolotra ondry lahy iray hafa i Mosesy, ny ondry lahin'ny fanamasinana, ary Arona sy ireo zanany lahy dia nametraka ny tanany tamin'ny lohan'ilay ondrilahy. 23 Novonoin'i Arona izany, ary naka tamin'ilay ràny i Mosesy ka nametraka izany tamin'ny tendron'ny ravintsofin'i Arona ankavanana, teo amin'ny ankihiben-tanany ankavanana, sy teo amin'ny ankihibe-tongony ankavanana. 24 Nentiny ireo zanaka lahin'i Arona, ary nametraka sasany tamin'ilay rà teo amin'ny tendron'ny ravintsofin'izy ireo havanana, teo amin'ny ankihibe-tanan'izy ireo ankavanana, sy teo amin'ny ankihibe-tongotr'izy ireo ankavanana izy. Avy eo Mosesy namafy ny ràn'izany manodidina ny lafin'ny alitara rehetra. 25 Nalainy ny sabora, ny rambo matavy, ny sabora rehetra izay tao anatiny, ny saron'aty, ny voa anankiroa sy ny saborany, ary ny feny havanana. 26 Avy tamin'ny harona fitoera-mofo tsy misy lalivay izay teo anatrehan'i Yaveh, no nakany mofo tsy misy lalivay iray, ary mofo voaisy diloilo, sy mofo manify, ary nametraka ireo teo amin'ny sabora sy teo amin'ny fe havanana. 27 Napetrany teny an-tanan'i Arona sy ny tanan'ireo zanany lahy avokoa ireo ary nahevahevany teo anatrehan'i Yaveh ireo mba ho fanatitra ahevaheva. 28 Dia naka ireo teny an-tanan'izy ireo i Mosesy ka nandoro ireo teo amin'ny alitara ho amin'ny fanatitra dorana. Ireo dia fanatitra fanamasinana ary namoaka hanitra mamerovero. Izany no fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. 29 Nandray ny tratra sy nanevaheva izany ho fanatitra ahevaheva ho an'i Yaveh i Mosesy. Izany no fizaran'i Mosesy ny ondry lahy ho an'ny fanokanana ireo mpisorona, araka ny nandidian'i Yaveh azy. 30 Naka tamin'ilay diloilo fanosorana sy ny rà izay teo amin'ny alitara i Mosesy; namafy ireo tamin'i Arona, tamin'ny akanjony, tamin'ireo zanany lahy, sy tamin'ny akanjon'ireo zanany lahy izy. Tahaka izany no nanokanany an'i Arona sy ny akanjony, ary ireo zanany lahy sy ny akanjon'izy ireo ho an'i Yaveh. 31 Ka dia niteny tamin'i Arona sy ireo zanany lahy i Mosesy hoe: "Ampangotrahy eo amin'ny fidirana mankany amin'ny trano-lay fihaonana ny hena, ary hano izany sy ny mofo izay ao anatin'ny haron'ny fanamasinana, araka ny nandidiako, nanao hoe: 'Hihinana izany i Arona sy ireo zanany lahy.' 32 Izay rehetra sisa amin'ny hena sy ny mofo dia aoka hodoranao. 33 Aza mivoaka avy eo amin'ny fidiran'ny tranolay fihaonana ao anatin'ny hafitoana ianareo, mandra-pahatanteraka ireo andron'ny fanokanana anareo. Fa Yaveh no hanamasina anareo ao anatin'ny hafitoana. 34 Izay efa natao androany— dia nodidian'i Yaveh ho vita mba hanaovana fanonerana ho anareo. 35 Hitoetra andro aman'alina ao amin'ny fidiran'ny tranolay fihaonana mandritra ny hafitoana ianareo, ary hitandrina ny didin'i Yaveh, mba tsy ho faty ianareo, satria izany no efa nandidiana ahy." 36 Ka dia nanao ireo zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh azy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy i Arona sy ireo zanany lahy.
Ao amin'ny toko faha 8, Mosesy dia manao an'i Arona sy ireo zanany lahy ho mpisorona araka ireo didin'i Yaveh izay noraketin'i Mosesy ao amin'ny bokin'ny Eksodosy.
"fitafiana maha mpisorona" na "fitafiana izay anaovan'ny mpoisorona"
DH: "nandidian'i Yaveh mba hataontsika"
Io dia fihetsika manamarika. Izany dia fombafomba fanadiovana izay manomana azy ireo ho mpisorona.
lamba voatenona - Ireo dia fitafiana manaokana izay nandidian'i Yaveh mba hamboarin'ireo vahoaka ho an'ireo mpisorona.
singan-damba lavalava izay afehy manodidina ny andilana na tratra
"nafehiny manodidina azy"
"napetak'i Mosesy tamin'i Arona ny saro-tratra"
Ireo rehetra ireo dia fitafiana manokana izay nandidian'i Yaveh mba hamboarin'ireo vahoaka ho an'ireo mpisorona.
lamba lavalava izay mandrakotra ny lohan'ny lehilahy izay mivalombalona manodidina ny loha.
Ireo andian-teny ireo dia manondro zavatra mitovy. Izany dia takela-bolamena madio mipetaka amin'ilay hamama.
Ireo dia ny vilany, ny vilany fanendasana, ny angady, ary ireo antsi-rovitra ampiasaina eo amin'ny alitra.
Io dia kovetabe varahina izay eo anelanelan'ny alitara sy ny tabernakely.
Io dia andry varahina izay itoeran''ilay kovetabe.
"Mosesy dia nandraraka"
Jereo ny nandikanao azy tao amin'ny 8:6.
Io dia fihetsika atao mba hamantarana fa miaraka amin'ilay biby hatolony ilay olona. Manolotra ny tenany amin'io fomba io ho an'i Yaveh amin'ny alala'ny biby ilay olona. Jereo ny nadikanao aziu ao amin'ny 1:3.
Io dia manondro ireo zoron'ilay alitara. Toy ny tandrok'omby ny endrik'izy ireo. Jereo ny nandiakanao azy tao amin'ny 4:6.
"nanokana ilay alitara ho an'Andriamanitra"
Eto, ny "fanonerana" dia midika ho fampifanarahana ny alitara ho ampiasaina amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. DH: "mba hampifanaraka izany ho mo mendrika ny sorona doran'ny fahotana"
Io dia ny vavony sy ny tsinay. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 1:7.
Adikao toy ny nataonao ao amin'ny 3:3 ireo teny ireo.
hoditry ny biby
Io dia fihetsika izay mampiseho an'i Arona sy ireo zanany lahy miaraka amin'ny biby izay atolotr'izy ireo. Manolotra ny tenany amin'io fomba io ho an'i Yaveh amin'ny alala'ny biby izy ireo. Jereo ny fomba nandikanao an'io tao amin'ny 1:3.
"Notetehin'i Mosesy ilay ondry lahy"
Ny fahafahampon'i Yaveh amin'ny mpanompo tso-po manatitra ny fanatitra dia resahina toy ny hoe afapo ny amin'ilay hanitr'ilay fanatitra dorana Yaveh. Jereo ny nandikanao an'io tao amin'ny 1:7.
DH: "fanatitra dorana ho an'i Yaveh"
Ny teny "fanamasinana" dia anarana. DH: "ny ondry lahy ho fanokanana an'i Arona sy ireo zanany lahy ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra"
Io dia fihetsika izay mampiseho an'i Arona sy ireo zanany lahy miaraka amin'ny biby izay atolotr'izy ireo. Manolotra ny tenany amin'io fomba io ho an'i Yaveh amin'ny alala'ny biby izy ireo. Jereo ny fomba nandikanao an'io tao amin'ny 1:3.
Io dia midika fa nitaty ny rà tao amin'ny lovia jobo i Mosesy raha nijininiaka avy tamin'ilay biby izany. Ny dika fenon'io fanambarana io dia azo ataov mazava.
Io dia ny vavoniny sy ny tsinainy. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 1:7.
Adikao tahaka ny nandiakanao azy ao amin'ny 3:3 ireo teny ireo.
Faritry ny tongotra eo ambonin'ny lohalika. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 7:31.
Io dia tsy manondro ny toeran'ilay harona misy mofo. Ny mofo izay natolotr'i Mosesy manokana ho an'i Yaveh no tian'izany holazaina.
Eto, ny "tanana" dia mampiseho ilay olona iray manontolo. DH: "omeo an'i Arona sy ireo zanany lahy avokoa ireo"
Izany dia midika fa nanolotra ilay fanatitra i Arona sy ireo zanany lahy. Ny ika fenon'io fanambarana io dia azo atao mazava. DH: "Nanevaheva ireo teo anatrehan'i Yaveh ho fanatitra ahevaheva izy ireo"
Io dia fihetsika famantarana izay manolotra manokana ilay fanatitra ho an'i Yaveh.
Eto, ny "ireo" dia manondro ilay sabora, fe, ary ireo mofo rehetra.
Eto, ny "tanana" dia mampiseho ilay olona iray manontolo. DH: "avy tamin'i Arona sy ireo zanany lahy"
"ireo dia fanatitra ho fanokanana an'i Arona sy ireo zanany lahy ho amin'ny fanompoana an'i Yaveh"
DH: "fanatitra dorana ho an'i Yaveh"
Ny fahafahampon'i Yaveh amin'ny mpanompo tso-po manatitra ny fanatitra dia resahina toy ny hoe afapo ny amin'ilay hanitr'ilay fanatitra dorana Yaveh. Jereo ny nandikanao an'io tao amin'ny 1:7.
Faritra eo anoloan'ny vatan'ny biby eo ambanin'ny tendany.
Lanonana ofisialy izay fanaovana ny olona ho mpisorona.
Io dia midika fa ilay harona dia misy ny fanatitra izay ampiasaina rehefa manamasina an'i Arona sy ireo zanany lahy. DH: "ilay harona"
DH: "araka ny nandidiako anao mba hatao"
DH: "mandra-pahavitanareo ny andro fanokanana anareo"
Io dia lanonana ofisialy izay fanaovana ny olona ho mpisorona. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 8:28.
DH: "ho vitainay"
Ny anarana "fanonerana" dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "mba hanonenarana ny fahotanareo"
DH: "izany no efa nandidiany ahy"
1 Tamin'ny andro fahavalo dia nantsoin'i Mosesy i Arona sy ireo zanany lahy ary ireo loholon'Israely. 2 Niteny tamin'i Arona izy hoe: "Makà zanak'omby avy amin'ny andian'omby ho fanatitra nohon'ny fahotana, ary zanak'ondry tsy misy kilema ho fanatitra dorana, ary hatolory eo anoloan'i Yaveh ireo. 3 Aoka ianao hiteny amin'ny vahoakan'Israely ka hanao hoe: 'Mangalà osy lahy ho fanatitra nohon'ny ota ary zanak'omby sy zanak'ondry, samy herintaona ary tsy misy kilema, ho an'ny fanatitra dorana; 4 mangalà ihany koa omby sy ondry lahy ho an'ny fanati-pihavanana mba ho soronaeo anoloan'i Yaveh, ary fanatitra voa mifangaro amin'ny diloilo, satria hiseho aminao anio i Yaveh."' 5 Koa nitondra ireo rehetra izay nandidian'i Mosesy ho ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo, ary nanatona ireo fiangonan'Israely rehetra ary nitsangana teo anoloan'i Yaveh. 6 Dia niteny i Mosesy hoe: "Izao no nandidin'i Yaveh anareo mba hatao, mba hahafahan'ny voninahiny miseho aminareo." 7 Niteny tamin'i Arona i Mosesy hoe: "Mankanesa eo akaikin'ny alitara ary atolory ny fanatitra nohon'ny otanao sy ny fanatitra doranao, ary manaova fanonerana ho an'ny tenanao sy ho an'ny vahoaka, ary atolory ho an'ny vahoaka mba hanaovana fanonerana ho azy ireo ny sorona, araka izay nandidin'i Yaveh." 8 Ka nandeha nanakaiky ny alitara i Arona ary namono ny zanak'omby ho fanatitra nohon'ny ota, izay ho an'ny tenany. 9 Nasehon'ireo zanaka lahin'i Arona taminy ilay rà, ary nandromboka ny rantsan-tanany tanatin'izany izy ary nametraka izany eo ambonin'ny tandroky ny alitara; avy eo dia nanisy ny rà teo amin'ny fanambanin'ny alitara izy. 10 Na izany aza, nandoro ny sabora, ireo voa, ary ireo sarak'aty teo ambony alitara ho fanatitra nohon'ny ota araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy izy. 11 Ny hena sy ny hoditra dia nodorany teo ivelan'ny toby. 12 Novonoin'i Arona ilay fanatitra dorana, ary nomen'ny zanany lahy azy ny ràny, izay nahosony teny amin'ny lafin'ny alitara rehetra. 13 Dia nomen'izy ireo azy isaky ny ampahany ny fanatitra dorana, miaraka amin'ilay lohany, ary nandoro izany teo ambony alitara izy. 14 Nanasa ireo tao anatiny sy ireo tongony izy ary nodorany teo ambonin'ny fanatitra dorana teo amin'ny alitara ireo. 15 Nanolotra ny soron'ny vahoaka i Arona—osy lahy iray, ary naka izany ho sorona nohon'ny otan'izy ireo ary namono izany; nanao sorona izany nohon'ny ota izy, araka izay nataony tamin'ilay osy lahy voalohany. 16 Nampiseho ny fanatitra dorana sy nanome izany araka izay nandidian'i Yaveh izy. 17 Nampiseho ny fanatitra voa izy; nameno ny tanany tamin'izany izy ary nandoro izany teo ambony alitara, miaraka amin'ny fanatitra dorana maraina. 18 Novonoiny ihany koa ny omby sy ny osy lahy, sorona ho an'ny fanati-pihavanana, izay ho an'ny olona. Nomen'ny zanaka lahin'i Arona azy ny ràny, izay nafafy teny amin'ny lafin'ny alitara rehetra. 19 Na izany aza, nesorin'izy ireo ny saboran'ilay omby sy ny osy lahy, ny sabora izay mandrakotra ny tao anatiny, ireo voa, ary ny sarak'aty. 20 Naka ny zara izay voarasa izy ireo ary nametraka izany teo ambonin'ny tratrany, ary dia nandoro ny sabora teo ambonin'ny alitara i Arona. 21 Ary Arona nanevaheva ireo tratra sy ny feny havanana ho fanatitra ahevaheva teo anoloan'i Yaveh, araka ny efa nandidian'i Mosesy. 22 Dia nanandratra ny tanany teo amin'ny vahoaka i Arona ary nitso-drano azy ireo; dia nidina avy amin'ny fanaterana ny fanatitra noho ny ota izy, ny fanatitra dorana, ary ny fanati-pihavanana. 23 Niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana i Mosesy sy Arona, avy eo dia nivoaka indray izy ireo ka nitso-drano ny vahoaka, ary niseho tamin'ny olona rehetra ny voninahitr'i Yaveh. 24 Nisy afo nivoaka avy any amin'i Yaveh ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny sabora teo ambony alitara. Rehefa nahita izany ny olona rehetra, dia nihiaka izy ireo ary nampiohoka ny tavany.
Ny teny "fahavalo" dia filaharan'isan'ny valo.
"ho an'i Yaveh" na "eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
Manohy ny fitenenany amin'i Arona i Mosesy.
Manohy ny fitenenany amin'i Arona i Mosesy. DH: "Ary hilazao ireo vahoakan'Israely mba haka osy lahy ...hiseho amin'ny olona rehetra i Yaveh"
"roa ambin'ny folo volana"
"ho sorona ho an'i Yaveh"
Eto, ny "anareo" dia manondro ireo vahoakan'Israely.
Eto, ny "voninahitra" dia mampisehony fanatrehan'i Yaveh. DH: "mba hanehony aminareo ny voninahitry ny fanatrehany"
Ireo dia sorona roa samihafa. Ilay sorona voalohany dia hanonerana ny fahotan'ny mpisoronabe. Rehefa manota ny mpisoronabe dia mahatonga y vahoaka ho meloka iany koa izany (Jereo: 4:1). Ny sorona faharoa dia hanonerana ny fahotan'ny izay nataon'ny olona.
Io dia midika nitaty ny ràny tamin'ny lovia jobo irzy ireo raha nijininiaka avy tamin'ilay biby izany. Ny dika fenon'io fanambarana io dia azo atao mazava.
Io dia manondro ireo zoron'ilay alitara. Toy ny tandrok'omby ny endrik'izy ireo. jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 4:6.
"teo amin'ny vodin'ny alitara"
"nandoro ...i Arona"
Adikao tahaka ny nataonao ao amin'ny 3:3 ireo teny ireo.
Io dia ny hoditr'ilay biby. Jereo ny nandiakanao azy ao amin'ny 7:7.
Io dia midika fa ireo zanany lahy dia nitaty ny ràny raha nijininiaka avy tamin'ilay biby izany. Ny dika fenon'io dia azo atao mazava.
ireo ao anatiny - Io dia ny vavoniny sy ny tsinainy. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 1:7.
Ny teny "voalohany" dia filaharan'isan'ny iray. DH: "ilay ho fanatiny manokana" (UDB)
Io dia manondro ilay fanatitra voalohany isan'andro. Ireo mpisorona dia manolotra io sorona io amin'ny maraina mialohan'ny sorona hafa. Ny dika fenon'io fanambarana io dia azo adika mazava.
"Novonoin'i Arona"
Io dia midika fa ilay rà dia ao anaty lovia jobo. Ny dika fenon'io fanambarana io dia azo adika mazava.
Io dia ny vavoniny sy ny tsinainy. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 1:7.
Adikao tahaka ny nanaovanao azy ao amin'ny 3:3 ireo teny ireo.
"Naka ny zara izay voarasa ireo zanaka lahin'i Arona"
Ny teny "ireo" dia manondro ilay sabora sy ireo taova izay voatanisa tany aloha.
Io dia faritra eo anoloan'ny vatan'ny biby izay eo ambanin'ny tendany. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 7:28.
Io dia faritry ny tongotra eo ambonin'ny lohalika. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 7:31.
"ho an'i Yaveh"
Ny teny "nidina" dia ampiasaina satria ny toerana misy ilay alitara dia avo noho ny toerana nijoroan'ireo vahoaka.
Eto, ny "voninahitra" dia manondro ny fanatrehan'i Yaveh. DH: "Nasehoan'i Yaveh an'ireo vahoaka rehetra ny voninahitry ny fanatrehany"
"Yaveh dia nandefa afo izay nandevona"
Ny fandevonan'ilay afo tanteraka ilay fanatitra dia resahina toy ny hoe nandevona sy nandany ilay fanatitra dorana ilay afo.
"nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany" Io dia mariky ny fanajana sy ny fanomezam-boninahitra.
1 Nadaba sy Abiho, zanaka lahin'i Arona, dia samy naka ny fitondran'afony, nanisy afo teo amin'izany, ary avy eo ditin-kazo manitra. Avy eo izy ireo nanolotra afo tsy nekena teo anatrehan'i Yaveh, izay tsy nandidiany azy ireo mba ho atolotra. 2 Koa nisy afo nivoaka avy teo anatrehan'i Yaveh ary nandevona azy ireo, ary maty teo anoloan'i Yaveh izy ireo. 3 Avy eo Mosesy niteny tamin'i Arona hoe: "Izao no noresahan'i Yaveh rehefa niteny Izy hoe: 'Hanambara ny fahamasinako amin'ireo izay tonga manakaiky Ahy Aho. Homem-boninahitra eo anatrehan'ny vahoaka rehetra Aho.'" Tsy niteny na inona na inona i Arona. 4 Niantso an'i Misaela sy Elzafana, zanaka lahin'i Oziela rahalahin-drain'i Arona i Mosesy, ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Mankanesa ety ary ento eny ivelan'ny toby tsy ho eo anatrehan'ny tabernakely ireo rahalahinareo." 5 Koa nanatona akaiky izy ireo ary nitondra azy ireo mbola nanao ny akanjo lava maha-mpisorona azy ireo teny ivelan'ny toby, araka ny efa nolazain'i Mosesy. 6 Avy eo i Mosesy dia niteny tamin'i Arona sy Eleazara ary Itamara, ireo zanany lahy hoe: "Aza avela hisaritaka ny volo eo an-dohanareo, ary aza rovitina ny akanjonareo, mba tsy ho faty ianareo, ary mba tsy ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra Yaveh. Fa avelao ireo havanareo, ny taranak'Israely rehetra, mba hisaona an'ireo izay nodoran'ny afon'i Yaveh. 7 Aoka tsy handeha ivelan'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana ianareo, raha tsy izany dia ho faty ianareo, satria aminareo ny diloilo fanosoran'i Yaveh." Koa nanao araka ny tenin'i Mosesy izy ireo. 8 Niresaka tamin'i Arona i Yaveh, nanao hoe: 9 "Aza misotro divay na zava-pisotro mahery, ianao, na ireo zanakao lahy izay sisa miaraka aminao, rehefa mankany amin'ny lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo. Ho lalàna maharitra ho an'ireo taranaky ny vahoakanao izany, 10 mba hanavahana ny masina sy ny tsy masina, ary ny maloto sy ny madio, 11 ka mba hampianatra ny vahoakan'Israely ireo lalàna rehetra izay nandidin'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy ianao." 12 Niresaka tamin'i Arona sy Eleazara ary Itamara, zanany lahy sisa tavela i Mosesy hoe: "Alaivo ny fanatitra hohanina izay tavela avy tamin'ireo fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, ary hano miaraka amin'ny lalivay eo ankilan'ny alitara izany, satria masina indrindra izany. 13 Aoka ianareo hihinana izany ao amin'ny toerana masina, satria anjaranao sy anjaran'ireo zanakao lahy tamin'ireo fanatitra vita tamin'ny afo ho an'i Yaveh izany, fa izany no nandidiana ahy ho lazaina aminao. 14 Ny tratrany izay mihevaheva sy ny feny izay aseho an'i Yaveh, dia aoka ho haninareo eny amin'ny toerana madio eken'Andriamanitra. Ianao sy ireo zanako lahy ary ireo zanako vavy dia tokony mihinana ireo anjara ireo, fa efa nomena ho anjaranao sy anjaran'ireo zanakao lahy avy amin'ny soron'ny fanati-pihavanan'ny vahoakan'Israely ireo. 15 Ny feny izay aseho sy ny tratrany izay mihevaheva, dia tsy maintsy entin'izy ireo miaraka amin'ny sabora natao tamin'ny afo, mba hahevaheva eo anatrehan'i Yaveh. Ho anao sy ireo zanakao lahy miaraka aminao toy ny anjara mandrakizay ireo, araka ny nandidin'i Yaveh." 16 Avy eo Mosesy nanontany momba ilay osy natao fanatitra nohon'ny ota, ary nahita fa may izany. Koa tezitra tamin'i Eleazara sy Itamara, zanaka lahin'i Arona sisa tavela izy; hoy izy hoe: 17 "Nahoana ianareo no tsy nihinana ilay fanatitra nohon'ny ota teo amin'ny faritry ny tabernakely, fa izany no masina indrindra, ary efa nomen'i Yaveh anareo mba hanesorana ny heloky ny fivondronana izany, mba ho fanonerana ho azy ireo teo anatrehany? 18 Indro, ny ràny dia tsy nentina tao anatin'ny tabernakely, izay tokony nohaninareo tao amin'ny faritry ny tabernakely, araka ny nandidiko." 19 Avy eo Arona namaly an'i Mosesy hoe: "Indro, androany no nanaovan'izy ireo ny fanatitra nohon'ny otany sy ny fanatitra dorany teo anatrehan'i Yaveh, ary izany zavatra izany dia nitranga tamiko androany. Raha nihinana ilay fanatitra nohon'ny ota aho androany, moa ve nankasitrahina teo imason'i Yaveh izany?" 20 Rehefa ren'i Mosesy izany, dia afapo izy.
Ireo dia anaran'ny zanaka lahin'i Arona.
vata tsy dia lalina izay ampiasaina'ireo mpisororna hitiondrana vain'afo na ditin-kazo manitra
"nanisy vain'afo teo amin'izany"
"Kanefa tsy neken'i Yaveh ny fanatitr'izy ireo satria tsy nifanaraka tamin'izay nandidiany azy ireo mba hatolotra"
"afo tsy neken'i Yaveh"
"koa nandea afo Yaveh"
"nivoaka vy tao amin'i Yaveh"
Ny fandoran'ny afo tanteraka ny olona dia resahina toy ny hoe nandevona na nanafoana azy ireo tanteraka ilay afo.
"maty teo amin'ny fanatrehan'i Yaveh izy ireo"
DH: "Izao no noresahin'i Yaveh raha nilaza Izy fa haneho ny fahamasinany Izy ...izay manakaiky Azy Izy, ary homena voninahitra ...vahoaka."
Ny andian-teny "ireo izay manakay Ahy" dia manondro ireo mpisorona izay manompo an'i Yaveh. DH: "Hasehoko an'ireo izay manakaiky Ahy fa masina Aho" na "Ireo izay manakaiky mba hanompo Ahy dia tsy maintsy mihevitra Ahy ho masina"
Io ampahany faharoa amin'ny fanambaran'i Yaveh io dia mbola mahakasika ny mpisorona hatrany, izay manakaiky an'i Yaveh. DH: "Tsy maintsy manome voninahitra Ahy eo anatrehan'nireo vahoaka rehetra izy ireo" na "tsy maintsy manome haja Ahy eo amin'ny fanatrehan'ny vahoaka rehetra izy ireo"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Tsy midika io fa tena mpirahalahy ara-bakiteny izy ireo. Eto, ny "rahalahy" dia midika hoe havana na zanaky ny mpiray tampo.
"Koa nanatona akaiky i Misaela sy Elzafana"
Nitondra ny fatin'i Nadaba sy Abiho izay samy mbola teny an-kodiny ny akanjo lava maha-mpisorona azy
Ireo dia anaran-dehilahy.
Miteny amin'i Arona sy ireo zanany lahy ny mba tsy hanehoan'izy ireo mariky ny alahelo mafy na fisaonana ety ivelany i Yaveh.
Eto, ny "fiangonana" dia midika ilay fihaonamben'Israely iray manontolo, fa tsy vondron'ny mpitarika ihany. DH: "aza tezitra amin'ireo vahoakan'Israely rehetra"
Ny "taranaka" eto dia mampiseho ireo vahoaka. DH: "ireo vahoakan'Israely rehetra
"an'ireo izay nodoran'i yaveh tamin'ny afony"
Eto, ny "izany" dia manondro ny fiverenana amin'ny didy ho an'ny mpisorona ny mba tsy hisotron'izy ireo divay na zava-pisotro mahery rehefa miditra ny trano-layfihaonana.
Adikao tahaka ny nandiakanao azy ao amin'ny 3:15 ireo teny ireo.
Eto dia azonao atao ny manomboka fehezanteny vaovao. "Tsy maintsy ataonareo izany mba ho hay havahana ianareo"
Ny anarana "ny marina" na "ny tsy marina" dia azo adika amin'ny mpamaritra. DH: "eo amin'izay masina sy izay tsy masina" na "eo amin'izay voatokana ho an'Andriamanitra sy izay olonolom-poana"
Ny anarana "ny maloto" sy ny "ny madio" dia azo adika amin'ny mpamaritra. DH: "eo amin'izay maloto sy izay madio" na "eo amin'izay tsy ho eken'Andriamanitra sy izay ho ekeny"
Ny olona na ny zavatra izay ambaran'i Yaveh ho tsy mendrika ny kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Ny olona na ny zavatra izay ambaran'i Yaveh ho mendrika ny kasihana dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
DH: " fanatitra dorana ho an'i Yaveh"
"fa ny fanatitra voa no masina indrindra"
DH: "izany no nandidian'i Yaveh ahy ho lazaina aminao"
DH: "Ny tratrany sy ny feny izay nahevaheva sy nasehon'ny olona iray an'Yaveh"
Io dia faritra eo anoloan'ny vatan'ny biby izay eo ambanin'ny tendany
Io dia faritry ny tongotra eo ambonin'ny lohalika.
Ny toerana izay mendrika ny ampisaina mba ho amin'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
DH: "fa efa nomen'Andriamanitra ho anajaranao ...ireo"
Eto, ny "ianao" dia manondro an'i Arona.
Adikao io mba ho fantatra fa ilay anjara dia an'i Arona sy ireo zanany lahy. DH: "Izany anjara izany dia ho anao sy ireo zanakao lahy mandrakizay"
DH: "efa nodoran'ireo mpisorona avokoa izany" (UDB)
Adikao tahaka ny nandikanao azy tao amin'ny 10:5 ireo anarana ireo.
Manontany io fanontaniana io i Mosesy mba hitenenany mafy an'i Eleazara sy Itamara. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "tokony nohaninareo ...teo anatrehany."
"satria ny fanatitra nohon'ny ota no masina indrindra"
Ny fampamelàna an'Yaveh ny vahoakan'Israely dia resahina toy ny hoe ny heloka dia zavatra izay esorin'Yaveh amin'ny olona.
"teo amin'ny fanatrehany"
DH: "tsy nitondra ny ràn'izany ...ianareo"
Arona dia manondro ny fahafatesan'ny zanany roa lahy.
Ireo sorona ireo dia hanina amin-karavoana sy amin-kafaliana. Arona dia mampiasa io fanontaniana fampisaianana io mba hanamafisany fa Yaveh dia tsy ho faly aminy ny amin'ny fihinana io sorona io satria nalahelo nohon'ny fahafatesan-janany izy. Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "eny tokoa, tsy ho faly Yaveh.'
1 Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh, nanao hoe: 2 "Mitenena amin'ny vahoakan'Israely, manao hoe: 'Ireto avy ireo zava-manan'aina izay azonareo hanina eo amin'ireo biby rehetra izay eto ambonin'ny tany. 3 Afaka mihinana ny biby rehetra izay mivaky kitro sy mamerin'ota ianareo. 4 Na izany aza, na mamerin'ota na mivaky kitro aza ireo biby sasany, dia aoka ianareo tsy hihinana azy ireo, dia ireo biby tahaka ny rameva, satria mamerin'ota izy fa tsy mivaky kitro. Noho izany dia maloto ho anareo ny rameva. 5 Ny hyraka ihany koa, satria mamerin'ota izy fa tsy mivaky kitro, maloto ho anareo ihany koa izany. 6 Ny bitro, dia maloto ho anareo, satria mamerin'ota izy, fa tsy mivaky kitro. 7 Ny kisoa, na dia mivaky kitro aza, dia tsy mamerin'ota izy, ka maloto ho anareo. 8 Aoka ianareo tsy hihinana amin'ny henan'ireo, na hikasika ny fatin'izy ireo. Maloto ho anareo ireo. 9 Ireo biby rehetra miaina anaty rano izay azonareo hanina dia ireo izay manana vombony sy kirany, na ao amin'ny ranomasina na any amin'ny renirano. 10 Fa ireo zava-manan'aina rehetra izay tsy misy vombony sy kirany ao anaty ranomasina na renirano dia tsy azonareo hanina, ao anatin'izany ireo rehetra izay mihetsika ao anaty rano sy ireo zava-manan'aina rehetra izay ao anaty rano—aoka ho halanareo ireny. 11 Fa aoka ho hankahalaina ireny, aoka ianareo tsy hihinana ny henan'ireny; ary ny fatin'izy ireny ihany koa dia aoka ho hankahalaina. 12 Izay rehetra tsy misy vombony sy kirany ao anaty rano dia aoka ho halanareo. 13 Ireto avy ireo vorona izay tsy maintsy hankahalainareo sy tsy tokony ho haninareo: dia ny voromahery, ny voltora, 14 ny papango, ny karazana ankoay rehetra, 15 ny karazana goaika rehetra, 16 ny vorondolo sy ny vorondolo maneno, ny voron-drano, ary ny karazana ankoay rehetra. 17 Aoka ianareo hankahala ny vorondolo kely sy ny vorondolo lehibe, ny manarana ihany koa, 18 ny vorondolo fotsy sy ny vorondolo sompitra, ny ibisa, 19 ny vano, ny karazana vanobe rehetra, ny takidara, ary ny ramanavy ihany koa. 20 Ireo bibikely manan'elatra rehetra izay mandeha amin'ny tongotra efatra dia fahavetavetana ho anareo. 21 Afaka mihinana ireo bibikely manidina rehetra izay mandeha amin'ny tongotra efatra ianareo raha manan-tongotra ambonin'ny faladiany hitsambikinany eo amin'ny tany ihany izy ireo. 22 Afaka mihinana ireo karazana valala be, solama, ny valala kely, na ny ampanga rehetra ihany koa ianareo. 23 Fa ireo bibikely manidina rehetra izay manana tongotra efatra dia tsy maintsy hankahalainareo. 24 Raha mikasika ny fatin'ny iray amin'ireo ianareo dia haloton'ireo biby ireo mandra-paharivan'ny andro. 25 Na iza na iza mitsimpona ny iray amin'ny fatin'ireo dia tsy maintsy manasa ny fitafian'izy ary mijanona maloto mandra-paharivan'ny andro. 26 Ny biby rehetra mivaky kitro izay tsy mizara tanteraka na tsy mamerin'ota dia maloto ho anareo. Izay rehetra mikasika azy ireny dia haloto. 27 Izay rehetra mandeha amin'ny tongony amin'ireo biby rehetra izay mandeha amin'ny tongotra efatra, dia maloto ho anareo. Na iza na iza mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan'ny andro. 28 Na iza na iza mitsimpona ny fatiny dia tsy maintsy manasa ny fitafian'izy ireo ary maloto mandra-paharivan'ny andro. Ireo biby ireo dia haloto ho anare. 29 Raha ny amin'ireo biby izay mandady amin'ny tany dia ireto avy ireo biby izay haloto ho anareo: ny kionkiona, ny voalavo, ny karazana androngo lehibe rehetra, 30 ny katsatsaka, ny anakà, ny androngo, ny androngom-pasika, ary ny tanalahy. 31 Amin'ireo biby mandady rehetra, dia ireo no biby izay haloto ho anareo. Na iza na iza mikasika azy ireo rehefa maty ireo dia haloto mandra-paharivan'ny andro. 32 Raha maty ny sasany amin'ireo ka milatsaka amin'ny zavatra, dia haloto izany zavatra izany, na vita tamin'ny hazo, na lamba, na hoditra, na lamba fisaonana izany. Na inona na inona izany ary na inona na inona ampiasana azy, dia tsy maintsy haroboka anaty rano; haloto izany mandra-paharivan'ny andro. Ary hadio avy eo. 33 Ny vilany tanimanga rehetra izay hilatsahan'ny biby maloto ao anatiny na eo aminy, na inona na inona ao anatin'ilay vilany dia haloto, ary tsy maintsy potehinareo izany vilany izany. 34 Ny sakafo rehetra izay madio sy azo ho hanina, kanefa nilatsahan'ny rano avy tao amin'ny vilany maloto iray, dia haloto. Izay rehetra mety ho nosotroina tamin'ny vilany tahaka izany dia haloto. 35 Izay rehetra nilatsahan'ny ampahany tamin'ny fatin'ny biby maloto dia haloto, na lafaoro izany na vilany fandrahoana. Tsy maintsy potehina izany. Maloto izany ka tsy tokony haloto ho anareo. 36 Ny loharano na famorian-drano izay hanangonana ny rano fisotro dia hadio ihany raha misy biby toy izany milatsaka ao anatiny. Fa raha misy olona mikasika ny fatin'ny biby maloto iray ao amin'ny rano, dia haloto izy. 37 Raha misy ampahany amin'ny fatin'ny biby maloto milatsaka eo ambonin'ny voa famboly, dia hadio ihany ireo voa ireo. 38 Fa raha tondrahana rano ireo voa, ary raha misy ampahany amin'ireo faty maloto milatsaka eo amin'ireo, dia haloto ho anareo ireo. 39 Raha misy biby izay azonareo ho hanina maty, dia haloto mandra-paharivan'ny andro ilay nikasika ny fatiny. 40 Na iza na iza mihinana amin'io faty io dia tsy maintsy manasa ireo fitafiany ary haloto mandra-paharivan'ny andro. Izay rehetra mitsimpona ny faty tahaka izany dia hanasa ireo fitafiany ary haloto mandra-paharivan'ny andro. 41 Ny biby rehetra izay mandady amin'ny tany dia hankahalaina; aoka tsy hohanina izany. 42 Izay rehetra mandady amin'ny kibony, ary izay rehetra mandeha amin'ny tongotra efatra, na izay rehetra manana tongotra maro—ireo biby rehetra izay mikisaka amin'ny tany, ireo no tsy azonareo hohanina, satria hankahalaina ireo. 43 Aoka ianareo tsy handoto ny tenanareo amin'ireo zava-manan'aina mandady rehetra; aoka tsy handoto ny tenanareo amin'ireny ianareo, fa haloto amin'ireny ianareo. 44 Fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. Tokony ho tazominareo ho masina ny tenanareo, noho izany, masìna, satria masina Aho. Aoka tsy handoto ny tenanareo amin'ny karazam-biby rehetra izay mandady amin'ny tany ianareo. 45 Fa Izaho no Yaveh, izay nitondra anareo niala avy tao amin'ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo. Noho izany aoka ianareo ho masina, satria Izaho dia masina. 46 Izany no lalàna momba ireo biby, ireo vorona, ireo zava-manan'aina rehetra izay mihetsika ao anaty rano, ary ireo biby rehetra izay mikisaka amin'ny tany, 47 satria tokony hisy fanavahana eo amin'ny maloto sy ny madio, ary eo amin'ireo zava-manan'aina izay azo hohanina sy ireo zava-manan'aina izay tsy azo hohanina."'
amin'ny biby rehetra
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay avelany hohanin'ny olona sy izay raràny tsy hohanina.
Io dia midika ny kitro izay mivaky roa raha tokony ho iray ihany.
Io dia midika ireo biby izay mamerina ny sakafo avy any amin'ny vavoniny ka averiny tsakoina indray.
Izany hoe, manana iray na hafa , fa tsy miaraka.
Ny tsy fahamendrehan'ny rameva ho hanina dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny izany.
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay avelany hohanin'ny olona sy izay raràny tsy hohanina.
Biby kely izay mipetraka amin'ny toerana be harambato.
Ireo biby izay ambaran'Andriamanitra ho tsy mendrika ny hohanin'ny olona dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Biby kely lava sofina izay matetika monina any an-davaka ambanin'ny tany.
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay avelany hohanin'ny olona sy izay raràny tsy hohanina.
Ilay faritra manify sy fisaka izay ampiasain'ny trondro mba hihetsehany ao anaty rano.
Sisika madinika izay mandrakotra ny vatan'ny trondro.
"ireo zava-mana'aina rehetra izay any anaty ranomasina na renirano izay tsy tsy misy vombony sy kirany"
Mandidy ny vahoakany mba handà sy hankahala ny fihinana ireo zava-manan'aina ireo i Yaveh. DH: "aoka ianao hankahala ireo" na "aoka ireo ho lavinao tanteraka"
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay avelany hohanin'ny olona sy izay raràny tsy hohanina.
Ny "mankahala" dia mandà na manao tsinontsinona zavatra iray. DH: "Fa aoka ho halanareo ireny" na "Fa aoka ho lavinareo tanteraka ireny"
DH: "aoka hankahala ny fatin'izy ireny ianareo" na "aoka tsy hikasika ny fatin'izy ireny ianareo"
"izay rehetra ao anaty rano ka tsy misy vombony na kirany"
DH: "aoka ho halanareo" na "aoka ho lavinareo tanteraka"
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay avelany hohanin'ny olona sy izay raràny tsy hohanina.
ireo dia karazam-borona izay mivoaka amin'ny alina na izay biby mikorokoro (voalavo, bitro voalavo, ...) sy mihinana fatim-biby.
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay avelany hohanin'ny olona sy izay raràny tsy hohanina.
Ireo dia vorona izay mihinana biby mikorokoro (voalavo, bitro voalavo, ...) sy bibikely ary mandremby amin'ny alina.
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay avelany hohanin'ny olona sy izay raràny tsy hohanina.
DH: "Hanakahala ny bibikely manidina izay manan-tongotra efatra ianareo"
Eto, ny andian-teny "tongotra efatra" dia fomba fiteny hilazana ny mandady amin'ny tany sy hanavahana azy amin'ny biby manidina, toy ny vorona, izay manana tongotra roa ihany. DH: "bibibely izay mandady amin'ny tany"
Ireo dia biby madinika izay mihinana zava-maniry sy afaka mitsambikina.
Yaveh dia manomboka miteny amin'i Mosesy sy Arona ireo biby izay heverina ho maloto ho an'ny olona.
DH: "Ny fatin'ireo biby ireo dia handoto anareo raha mikasika izany ianareo"
Ny olona izay tsy eken'ny sitrapon'Andriamanitra nohon'ny fikasihana ny iray tamin'ny fatin'ireo biby ireo dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny ilay olona.
Io dia manondro ireo biby izay hotanisainy ao amin'ny andininy manaraka.
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay avelany hohanin'ny olona sy izay raràny tsy hohanina.
Ireo biby izay nambaran'Andriamanitra ho tsy mendrika ny hohanin'ny olona dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny ireo.
Io dia midika ny kitro izay mivaky roa raha tokony ho iray ihany. Jereo ny nandikanao azy ireo ao amin'ny 11:3.
Io dia midika ireo biby izay mamerina ny sakafo avy any amin'ny vavoniny ka averiny tsakoina indray. Jereo ny nandikanao azy ireo ao amin'ny 11:3.
Ny olona izay tsy eken'ny sitrapon'Andriamanitra nohon'ny fikasihana ny iray tamin'ny fatin'ireo biby ireo dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny izy.
tongotra biby misy hoho maranitra
"mandra-pilentiky ny masoandro"
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ireo biby izay heverina ho maloto ho an'ny olona.
Ireo biby izay ambaran'Andriamanitra ho tsy mendrika ny ho kasihana na ho hanin'ny olona dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny ireo.
Biby madinika miloko volontany ny volony izay mihinana vorona sy ny biby kely
Ireo dia karazam-biby mandady misy tongotra efatra.
Yaveh dia miresaka amin'ny Mosesy syArona ny amin'ireo biby izay heverina ho maloto ho an'ny olona.
Ireo biby izay ambaran'Andriamanitra ho tsy mendrika ny ho kasihana na ho hanin'ny olona dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny ireo.
Ny olona izay tsy eken'ny sitrapon'Andriamanitra nohon'ny fikasihana ny iray tamin'ny fatin'ireo biby ireo dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny izy.
"mandra-pilentiky ny masoandro"
Ny zavatra izay ambaran'Andriamanitra ho tsy mendrika ny ho kasihana satria nilatsahan'ny iray tamin'ny fatin'ireo biby ireo dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny izany. Rehefa avy nosasàna izany dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
Ny zavatra izay efa nambaran'Andriamanitra ho mendrika ny kasihan'ny olona taorian'ny fanasana azy dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny izany.
DH: "ary na ahoana na ahoana no ampiasanareo izany, dia aoka harobokareo ao anaty rano izany"
Ny sakafo izay nambaran'Andriamanitra ho azo ekena ny fihinana'ny olona azy dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
DH: "izay azonareo hohanina"
Ny sakafo tsy ekena ho hanin'ny olona satria nipitihan'ny rano maloto dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny izany.
DH: "mety ho nosotroinareo"
DH: "aoka ho potehinareo izany" na "aoka ho torotoroinareo izany"
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ireo biby izay heverina ho maloto ho an'ny olona.
Ny rano avy amin'ny loharano na famorian-drano izay azon'ny olona sotroina dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
DH: "Ny famorian-drano izay manangona rano fisotro"
Ny fatim-biby izay ambaran'Andriamanitra ho tsy mendrika ny ho kasihana na hanin'ny olona dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny izany.
Ny olona izay tsy eken'ny sitrapon'Andriamanitra satria nikasika ny iray tamin'ny fatin'ireo biby ireo dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny izy.
"ny voa izay kasainareo hambolena"
Ny voa izay ambaran'Andriamanitra ho azo ekena ny fambolen'ny olona azy dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny ireo, ary ireo izay tsy ekena dia resahina toy ny hoe maloto ireo.
DH: "fa raha manisy rano ireo voa ireo ianareo"
Ny olona izay tsy eken'ny sitrapon'Andriamanitra satria nikasika fatim-biby izy dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny izy.
"mandra-pilentiky ny masoandro"
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ireo biby izay heverina ho maloto ho an'ny olona.
DH: "aoka ho halanareo" na "aoka ho lavinareo"
DH: "aoka tsy hohaninareo izany"
DH: "hankahala an'ireo ianareo" na "handà an'ireo ianareo"
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ireo biby izay heverina ho maloto ho an'ny olona.
Mamerimberina hevitra mitovy in-telo i Yaveh mba hanamafisany ny didy ny mba tsy hihinan'izy ireo biby maloto.
Ny olona izay tsy eken'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny izy.
DH: "ka tsy hadio noho ireo intsony ianareo"
Mamarana ny fitanisany amin'i Mosesy sy Arona ireo izay azon'ny olona hohanina sy izay nandrarany azy ireo tsy hohanina.
DH: "fa aoka ianareo hanavaka ny"
Ny biby izay ambaran'Andriamanitra ho tsy mendrika ny ho kasihana na ho hohanin'ny olona dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny, ary ireo izay ambarany ho azo ekena ny fikasihana na ny fihinanan'ny olona azy dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
DH: "izay azonareo hohanina ...izay tsy azonareo hohanina"
1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: 2 "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely, manao hoe: 'Raha misy vehivavy manan'anaka ka miteraka zazalahy, dia haloto mandritry ny fito andro izy, tahaka ny fahalotoany mandritra ireo andro fadimbolany. 3 Amin'ny andro faha-valo dia aoka hoforaina ny lohatsitsin'ny zazalahy. 4 Avy eo ny fanadiovana ilay reny avy amin'ny ràny dia hitohy mandritra ny telo amby telopolo andro. Tsy tokony hikasika zavatra masina izy na hiditra ao amin'ny faritry ny tabernakely mandra-pahatapitry ny andro fandiovana azy. 5 Fa raha teraka zazavavy izy, dia haloto mandritry ny roa herinandro, toy ny mandritra ny fadimbolany. Dia hitohy mandritra ny enina amby enimpolo andro ny fanadiovana ilay reny. 6 Rehefa tapitra ny andro fandiovana azy, na ho an'ny zanaka lahy na zanaka vavy, dia tsy maintsy mitondra ondry herintaona iray ho fanatitra dorana izy, ary zana-boromailala roa na domoina mba ho fanatitra nohon'ny ota, ho eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana, ho eo amin'ny mpisorona. 7 Avy eo izy dia hanolotra izany eo anatrehan'i Yaveh ary hanao fanonerana ho azy, dia ho voadio amin'ny fikorinan'ny ràny izy. Izany no lalàna amin'ny vehivavy izay miteraka na zazalahy na zazavavy. 8 Raha tsy afaka manolotra ondry izy, dia tsy maintsy maka voromailala roa na zana-boromailala roa, ny iray ho fanatitra dorana ary ny iray hafa ho fanatitra nohon'ny ota, ary hanao fanonerana ho azy ny mpisorona; dia hadio izy avy eo.'"
Ny vehivavy izay tsy azon'ny olona hafa hasihana satria misy rà mivoaka avy ao an-kibo dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Io dia manondro ny fotoana izay mampisy rà mivoaka avy ao an-kibon'ny vehivavy.
Ny mpisorona ihany no afaka manao izany. DH: "aoka ny mpisorona hamora ireo zazalahy"
telo amby telo-polo andro - Io dia midika fa ilay reny dia maloto mandritra ny telo amby telo-polo andro.
telo amby telo-polo andro - "33 andro"
Ny vehivavy izay tsy azon'ny olona hafa kasihana satria misy rà mivoaka avy any an-kibony dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
"mandritra ny 14 andro"
Io dia manondro ny fotoana izay mampisy rà mivoaka avy ao an-kibon'ny vehivavy. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 12:1.
enina amby enim-polo andro - "66 andro"
"Rehefa tapitra ny andro fanadiovana ireo reny"
Io dia manondro ny tsy fitovian'ny isan'ny andro fanadiovana izay mifototra amin'ny fiterahany zazalahy na zazavavy.
DH: "ary hanadio azy amin'ny ràny izay mandeha mandritra ny fiterahany izy"
Adikao io mba hanazavàna ny tsy fahafahan'ny vehivavy mividy biby fanao sorona. DH: "Raha tsy manana vola ampy mba hividianana zanak'ondry izy"
Ny vehivavy izay tsy azon'ny olona hafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
1 Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh, nanao hoe: 2 "Rehefa misy mamontsina na manako-pery na mifaritra mangirana amin'ny hoditry ny vatany, ka lasa mamindra izany ary misy aretin-koditra ny vatany, dia tsy maintsy entina any amin'ny Arona mpisoronabe izy, na amin'iray amin'ireo zanany lahy mpisorona. 3 Avy eo ilay mpisorona dia hizaha ny aretina eo amin'ny hoditrin'ny vatany. Raha nivadika fotsy ny volo eo amin'ny faritr'ilay aretina, ary raha hita fa lalina kokoa noho ny eo amin'ny hoditra fotsiny ilay aretina, dia lasa areti-mifindra izany. Ary aorian'ny fizahan'ny mpisorona azy, dia tsy maintsy manambara azy ho maloto izy. 4 Raha fotsifotsy ny mifaritra mangirana amin'ny hodiny, ary ny endrin'izany dia tsy lalina kokoa noho ny amin'ny hoditra, ary raha tsy mivadika fotsy ny volo amin'ny faritry ny aretina, dia tsy maintsy atokan'ilay mpisorona monina mandritra ny hafitoana ilay iray misy aretin. 5 Amin'ny andro fahafito, dia tsy maintsy mizaha azy ilay mpisorona mba hijery raha tsy miha-ratsy ilay aretina raha ny heviny, ary raha tsy miparitaka amin'ny hoditra izany. Raha tsy misy izany, dia tsy maintsy mampitoka-monina azy mandritra ny hafitoana na mihoatra ilay mpisorona. 6 Hizaha azy indray ilay mpisorona amin'ny andro fahafito mba hijery raha miha-tsara ilay aretina ary tsy miparitaka manerana ny hoditra. Raha tsy misy izany, dia hilaza azy ho madio ilay mpisorona. Manako-pery izany. Tsy maintsy manasa ny fitafiany izy, ary dia hadio izy. 7 Fa raha miparitaka amin'ny hoditra indray izany fery izany taorian'ny nampisehoany ny tenany tamin'ny mpisorona ny amin'ny fahadiovany. 8 dia tsy maintsy haneho ny tenany eo amin'ilay mpisorona indray izy avy eo. Hizaha azy ilay mpisorona mba hijery raha niparitaka manerana ny hoditra ilay fery. Raha niparitaka izany, dia tsy maintsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona. Areti-mifindra izany. 9 Raha misy areti-koditra mifindra amin'ny olona, dia tsy maintsy entina any amin'ny mpisorona izy. 10 Hizaha azy ny mpisorona mba hizahana raha misy mamontsina fotsy amin'ilay hoditra, raha mivadika fotsy ny volo, na raha misy nofo mangana amin'ny mamontsina. 11 Raha misy, dia areti-koditra mitaiza izany, ary tsy maintsy manambara azy ho maloto ny mpisorona. Tsy hanokana monina azy izy, satria efa maloto izy. 12 Raha miparitaka be amin'ny hoditra ilay aretina ary mandrakotra ny hoditr'ilay olona rehetra ilay aretina hatrany amin'ny tampon-dohany ka hatrany amin'ny tongony, raha vao hitan'ny mpisorona izany, 13 dia tsy maintsy hizaha azy ilay mpisorona mba hijery raha mandrakotra ny vatany rehetra ilay aretina. Raha misy izany, dia tsy maintsy manambara an'ilay olona misy aretina ho madio ny mpisorona. Raha nivadika fotsy avokoa izany, dia madio izy. 14 Fa raha misy nofo mangana miseho eo aminy, dia haloto izy. 15 Tsy maintsy mijery an'ilay nofo mangana ilay mpisorona ary manambara azy ho maloto satria maloto ilay nofo mangana. Areti-mifindra izany. 16 Fa raha mivadika fotsy indray ny nofo mangana, dia tsy maintsy mandeha any amin'ny mpisorona ilay olona. 17 Hizaha azy ilay mpisorona mba hijerena raha nivadika fotsy ilay nofo. Raha nivadika izany dia hanambara ilay olona ho madio ilay mpisorona. 18 Raha misy vay eo amin'ny hoditra ny olona iray ka sitrana izany, 19 ary raha misy mamontsina fotsy na holatry ny fery, mena fotsy eo amin'ny toeran'ilay vay, dia tsy maintsy aseho an'ilay mpisorona izany. 20 Hizaha izany ilay mpisorona mba hijery raha miha-milentika ambanin'ny hoditra izany, ary raha nivadika fotsy ny volo eo. Raha izany, dia tsy miantsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona. Areti-mifindra izany, raha mitombo eo amin'ilay toerana izay nisy ilay vay izany. 21 Fa raha mizaha izany ilay mpisorona ka mahita fa tsy misy volo fotsy eo amin'izany, ary tsy ao ambanin'ny hoditra izany fa efa niala, dia tsy maintsy hatokan'ily mpisorona monina mandritra ny hafitoana iz. 22 Raha miparitaka be amin'ny hoditra izany, dia tsy maintsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona. Areti-mifindra izany. 23 Fa raha mijanona amin'ny toerany ilay holatry ilay fery fa tsy niparitaka, dia holatr'ilay vay izany, ka tsy maintsy hanambara azy ho madio ilay mpisorona. 24 Rehefa misy may ny hoditra ary lasa somary mena-fotsy na faritra fotsy ilay nofo mangana may, 25 dia hizaha izany ilay mpisorona mba hijery raha nivadika fotsy ny volo amin'izany faritra izany, ary raha hita fa lalina kokoa noho ilay teo amin'ny hoditra izany. Raha misy izany, dia areti-mifindra. Lasa habokana teo amin'ilay may izany, ary tsy maintsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona. Areti-mifindra izany. 26 Fa raha mizaha izany ilay mpisorona ka mahita fa tsy misy volo fotsy amin'ilay faritra, ary tsy ao ambanin'ny hoditra izany fa matroka, dia tsy maintsy hatokan'ny mpisorona monina mandritra ny hafitoana izy. 27 Avy eo dia tsy maintsy mizaha azy ilay mpisorona amin'ny andro fahafito. Raha niparitaka be tamin'ny hoditra izany, dia tsy maintsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona, Areti-mifindra izany. 28 Raha mijanona eo amin'ny toerany ilay faritra ary tsy miparitaka amin'ny hoditra fa matroka, dia famontsinana avy amin'ilay may izany, ary ny mpisorona dia tsy maintsy hanambara azy ho madio, fa zavatra tsy misy dikany izany mihoatra noho ny holatry ny may. 29 Raha misy lehilahy na vehivavy misy areti-mifindra eo amin'ny loha na saoka, 30 dia tsy maintsy mizaha ilay olona amin'ny areti-mifindra ilay mpisorona mba hijery raha miseho lalina kokoa noho ny eo amin'ny hoditra izany, ary raha misy mavomavo, volo manify ao amin'izany. Raha misy, dia tsy maintsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona. Hidihidy izany, areti-mifindra eo amin'ny loha na amin'ny saoka izany. 31 Raha mizaha ilay aretin'ny hidihidy ilay mpisorona ka mahita fa tsy eo ambanin'ny hoditra izany, ary raha tsy misy volo mainty amin'izany, dia hampitoka-monina an'ilay olona misy aretin'ny hidihidy ilay mpisorona mandritra ny hafitoana. 32 Amin'ny andro fahafito dia hizaha ilay aretina ilay mpisorona mba hijery raha niparitaka izany. Raha tsy misy volo mavomavo, ary raha toy ny hatevin'ny hoditra fotsiny ny fahitana ilay aretina, 33 dia tsy maintsy ho solaina izy, fa ilay faritra misy ny aretina dia tsy tokony ho solaina, ary ny mpisorona dia tsy maintsy hampitoka-monina an'ilay olona amin'ny aretin'ny hidihidy mandritra ny hafitoana. 34 Amin'ny andro fahafito dia hizaha ilay aretina ilay mpisorona mba hijery raha nitsahatra niparitaka tamin'ny hoditra izany. Raha hita ho tsy matevina noho ny hoditra izany, dia tsy maintsy hanambara azy ho madio ny mpisorona. Tsy maintsy manasa ny akanjony ilay olona, dia hadio izy avy eo. 35 Fa raha miha-miparitaka amin'ny hoditra ilay aretin'ny hidihidy taorian'ny nilazan'ilay mpisorona fa madio izy, 36 dia tsy maintsy mizaha azy indray ilay mpisorona. Raha miparitaka amin'ny hoditra ilay aretina, dia tsy mila mitady volo mavomavo intsony ilay mpisorona. Maloto ilay olona. 37 Fa raha amin'ny fijerin'ny mpisorona dia efa nijanona niparitaka ilay aretin'ny hidihidy ary nisy volo mainty naniry teo amin'ny faritra, avy eo dia sitrana ilay aretina. Madio izy, ary tsy maintsy manambara azy ho madio ilay mpisorona. 38 Raha misy lehilahy na vehivavy misy faritra fotsy amin'ny hoditra, 39 dia tsy maintsy mizaha ilay olona ilay mpisorona mba hijery raha matroka ilay faritra, izay fery vaky teo amin'ny hoditra fotsiny ihany. Dia madio izy. 40 Raha mihintsana amin'ny lohany ny volon'ny olona iray, dia sola izy, fa madio. 41 Raha milatsaka avy eo amin'ny tampon-dohany ny volony, ary sola ny tampon-kandriny, dia madio izy. 42 Fa raha misy ratra mena-fotsy eo amin'ny lohany sola na tampon-kandriny, dia areti-mifindra izay vaky aty ivelany izany. 43 Avy eo dia tsy maintsy mizaha azy ilay mpisorona mba hijery raha mena-fotsy ilay faritra mivonton'ilay aretina eo amin'ny lohany sola na ny tampon-kandriny, tahaka ny endriky ny areti-mifindra amin'ny hoditra. 44 Raha izany, dia misy areti-mifindra sy maloto izy. Tsy maintsy manambara azy ho maloto tokoa ilay mpisorona nohon'ny aretiny eo amin'ny lohany. 45 Ny olona izay misy areti-mifindra dia tsy maintsy manao akanjo rovitra, tsy maintsy asarakorako ny volony, ary tsy maintsy manarona ny tavany hatreo amin'ny orony izy ary miantsoantso hoe: 'Maloto, maloto.' 46 Mandritra ny andro rehetra izay hisian'ilay areti-mifindra aminy dia haloto izy. Satria maloton'ilay aretina izay mety mifindra izy, dia tsy maintsy mipetra-drery. Tsy maintsy mipetraka any ivelan'ny toby izy. 47 Ny akanjo izay nifindran'ny maty fotsy, na volon'ondry izany na lamban-drongony fotsy madinika, 48 na zavatra vita tamin'ny tenona na nozairina tamin'ny volon'ondry na rongony fotsy madinika na hoditra na zavatra vita tamin'ny hoditra— 49 raha misy fifindrana manopy maitso na manopy mena amin'ilay akanjo, ilay hoditra, ilay tenona, na fitaovana fanjairana, na zavatra vita tamin'ny hoditra, dia maty fotsy miparitaka izany; tsy maintsy aseho amin'ny mpisorona izany. 50 Tsy maintsy mizaha ny mahakasika ilay maty fotsy ilay mpisorona; tsy maintsy hatokany mandritra ny hafitoana ny zavatra rehetra izay misy maty fotsy. 51 Tsy maintsy mizaha ilay maty fotsy indray izy amin'ny andro fahafito. Raha niparitaka tamin'ny akanjo na zavatra vita tamin'ny tenona, nozairina tamin'ny volon'ondry na fitaovana rongony fotsy madinika, na hoditra na zavatra izay nampiasana hoditra, dia maty fotsy mampidi-doza izany, ary maloto izany zavatra izany. 52 Tsy maintsy mandoro ilay akanjo, na zavatra vita tamin'ny tenona, nozairina tamin'ny volon'ondry na fitaovana rongony fotsy, na hoditra na zavatra rehetra vita tamin'ny rongony fotsy, zavatra rehetra izay hita tamin'ilay maty fotsy mampidi-doza izy, fa mety hitondra aretina izany. Tsy maintsy dorana tanteraka izany zavatra izany. 53 Raha mizaha ilay singa ny mpisorona ary mahita fa tsy niparitaka tamin'ny akanjo na ny zavatra notenonina na nozairina tamin'ny volon'ondry na rongony, fitaovana hoditra ilay maty fotsy, dia hibaiko azy ireo izy mba hanasa ny zavatra izay nahitana ilay maty fotsy, 54 ary tsy maintsy hatoka-monina mandritra ny hafitoana izany. 55 Avy eo dia hizaha ilay singa ilay mpisorona rehefa voasasa ilay zavatra misy maty fotsy. Na dia tsy niova ny lokon'ilay maty fotsy, ary tsy niparitaka aza izany, dia maloto foana izany. Tsy maintsy doranareo ilay singa, na taiza na taiza no nifindran'ilay maty fotsy. 56 Raha mizaha ilay singa ny mpisorona, ary raha matromatroka ilay maty fotsy rehefa voasasa, dia tsy maintsy mandriatra ilay faritra maloto eo amin'ny akanjo na eo amin'ny rongony fotsy, na eo amin'ny tenona na fitaovana fanjairana izy. 57 Raha mbola miseho amin'ny akanjo hatrany ilay maty fotsy, na amin'ny tenona na amin'ny fitaovana fanjairana, na amin'ny zavatra rehetra natao tamin'ny rongony fotsy, dia miparitaka izany. Tsy maintsy mandoro ny zavatra rehetra izay nisy ilay maty fotsy ianareo. 58 Ny lamba na zavatra vita tamin'ny tenona na nozairina tamin'ny volon'ondry na fizavatra vita tamin'ny rongony fotsy, na hoditra na zavatra vita tamin'ny hoditra—raha manasa ilay zavatra ianareo ka miala ilay maty fotsy, dia tsy maintsy sasàna fanindroany ilay zavatra, dia hadio izany. 59 Izany no lalàna momba ny maty fotsy amin'ny akanjo volon'ondry na rongony fotsy madinika, na zavatra notenonina na nozairina tamin'ny volon'ondry na rongony fotsy madinika na hoditra na zavatra vita amin'ny hoditra, mba hahafahanareo manambara na madio izany na maloto."
DH: "dia hisy olona hitondra azy" (UDB) na "dia aoka izy handeha"
"amin'ny iray amin'ireo zanaka lahin'i Arona"
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy sy Arona izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Eto, ny "-ny" dia manondro ilay olona misy aretin-koditra.
Aretina izay mora miparitaka avy amin'ny olona iray mankany amin'ny olona hafa.
"Aoka ilay mpisorona hanambara ilay olona ho maloto." Ny olona iray izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
"mandritra ny 7 andro"
Eto, ny "-ny" dia manondro ilay olona misy aretin-koditra.
Io dia midika fa raha tsy miha-mitombo na miparitaka amin'ny faritra hafa amin'ny vatana ilay aretina.
"fahafito " dia filaharan'isan'ny fito. DH: "andro faha 7"
"fito andro" na "7 andro"
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Io dia faritra eo amin'ny hoditra izay mangodihidy, kanefa ilay tako-pery dia tsy mifindra amin'olon-kafa.
Io dia manondro ilay olona misy aretin-koditra.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Adikao tahaka ny nanaovanao azy tao amin'ny 13:3.
Ny mpisorona no mamaritra raha niparitaka ilay aretina. DH: "aoka hisy olona hitondra azy any amin'ny mpisorona" (UDB) na "aoka izy handeha any amin'ny mpisorona"
Eto, ny "nofo mangana" mety dia manondro ny faritra marary eo amin'ny hoditra na mety manondro ny hodi-bao izay vao maniry, kanefa ny faritra manodidina izany dia mbola marary. Izany dia mampiseho fa tsy tena mbola sitrana tsara ilay aretina.
Io dia aretina izay mitohy na miverina mitranga rehefa ela ny ela.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona raha misy olona voan'ny aretin-koditra i Yaveh.
Ny olona izay azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny ary olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Eto, ny "azy" dia manondro ilay olona izay misy aretin-koditra.
Adikao tahaka ny nanaovana azy tao amin'ny 13:9 ireo teny ireo.
Adikao tahaka ny nanaovana azy tao amin'ny 13:3 ireo teny ireo.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona raha misy olona voan'ny aretin-koditra i Yaveh.
Faritra manaintaina eo amin'ny hoditra izay voan'ny ny aretina.
DH: "ary dia aoka izy haneho izany amin'ilay mpisorona"
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona raha misy olona voan'ny aretin-koditra i Yaveh.
Eto, ny "izany" dia manondro ilay mamontsina fotsy na holatry ny fery eo amin'ny hoditra.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Ny olona izay azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
Manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona raha misy olona voan'ny aretin-koditra i Yaveh.
Adikao tahaka ny nanaovanao azy ao amin'ny 13:3 ireo teny ireo.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona raha misy olona voan'ny aretin-koditra i Yaveh.
Eto, ny "izany" dia manondro ilay mamontsina fotsy na holatry ny fery eo amin'ny hoditra.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Adikao tahaka ny nanaovanao azy ao amin'ny 13:3 ireo teny ireo.
Ny olona izay azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
Manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona raha misy olona voan'ny aretin-koditra i Yaveh.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona raha misy olona voan'ny aretin-koditra i Yaveh.
Manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona raha misy olona voan'ny aretin-koditra i Yaveh.
DH: "Tsy maintsy manasola ny volo manodidina ilay marary ilay olona, fa kosa tsy ny volo eo amin'ny marary"
Manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona raha misy olona voan'ny aretin-koditra i Yaveh.
Eto, "ilay aretina" dia manondro ny aretina izay eo amin'ny lohan'ilay olona na eo eo amin'ny saokany.
Ny olona izay azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
Manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona raha misy olona voan'ny aretin-koditra i Yaveh.
Ny olona izay azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona raha misy olona voan'ny aretin-koditra i Yaveh.
Adikao tahaka ny nanaovanao azy tao amin'ny 13:5.
"madio izany olona izany"
Ny olona izay azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
Manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona raha misy olona voan'ny aretin-koditra i Yaveh.
Ny olona izay azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
Manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona raha misy olona voan'ny aretin-koditra i Yaveh.
Adikao tahaka ny nanaovanao azy ao amin'ny 13:3 ireo teny ireo.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona raha misy olona voan'ny aretin-koditra i Yaveh.
Ny toby dia faritra izay honenan'ny ankamaroan'ireo Israelita. Ny olona maloto dia tsy mahazo monina miaraka amin'izy ireo satria mety hifindra amin'ny hafa ny aretiny.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
"Ny akanjo misy maty fotsy"
Lasa maloto satria niampy zavatra mampidi-doza izany.
Holatra, fotsy ny lokony matetika, izay mitombo amin'ny zavatra misy hamandoana.
Dh : "na zavatra izay notenonina na nozairin'ny olona"
"raha misy maty fotsy maopy maitso na manopy mena amin'ilay akanjo"
DH: "Zavatra izay namboarin'ny olona tamin'ny hoditra"
DH: "tsy maintsy mampiseho izany amin'ny mpisorona ilay tompony"
"7 andro"
Ny "fahafito" dia filaharan'isan'ny 7. DH: "andro faha 7"
DH : "zavatra izay nampiasan'ny olona hoditra"
DH: "zavatra izay nahitany ilay maty fotsy mampidi-doza"
Ny zavatra izay nambaran'Andriamanitra ho tsy mendrika kasihan'ny olona dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Ilay maty fotsy mampidi-doza dia mety hiteraka aretina ho an'ny olona izay mikasika ireo zavatra ireo.
DH: "Aoka ho dorany tanteraka izany zavatra izany"
"dia hibaiko ny tompony ilay mpisorona" Eto ny mpisorona dia milaza izay tsy maintsy atao amin'ny zavatra ao an-tokantrano izay mety ho nifindra'ilay aretina.
DH: "izay nahitan'izy ireo ilay maty fotsy"
DH: "taorian'ny nanasana ilay zavatra nisy maty fotsy"
Ny zavatra izay nambaran'Andriamanitra ho tsy mendrika kasihan'ny olona dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Eto, ny "-nareo" dia tsy manondro manokana ireo mpisorona, fa ny olona izay tsy mandoro ilay singa.
DH: "rehefa avy nosasan'ny tompony"
Eto, ny "ianareo" dia tsy manondro manokana ilay mpisorona. Izany dia manondro ny olona izay tsy maintsy mandoro ireo zavatra ireo.
DH: "refa manasa ilay zavatra ny tompony"
DH: "dia tsy maintsy manasa izany ilay tompony"
Ny zavatra izay nambaran'Andriamanitra ho tsy mendrika kasihan'ny olona dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Adikao tahaka ny nanaovanao azy ao amin'ny 13:47 ireo teny ireo.
mba hahafahan'ny mpisorona manambara izany
Ny zavatra izay nambaran'Andriamanitra ho mendrika ny kasihana dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny ary ny zavatra izay nambaran'Andriamanitra ho tsy mendrika kasihana na hohanin'ny olona iray dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
1 Yaveh niteny tamin'i Mosesy, nanao hoe: 2 "Izao no ho lalàna ho an'ny boka amin'ny andro fanadiovana azy. Tsy maintsy entina any amin'ny mpisorona izy. 3 Hivoaka ny toby ny mpisorona ka hizaha ilay olona mba hahafantarana azo sitranina ilay aretin-koditra. 4 Avy eo dia hibaiko ilay mpisorona fa ilay hodiovina dia tsy maintsy mitondra vorona velona roa sady madio, hazo sedera, kofehy jaky, ary hysopa. 5 Hibaiko azy mba hamono ny iray amin'ireo vorona eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha izay ao anaty tavy tanimanga ilay mpisorona. 6 Haka ilay vorona velona sy ilay hazo sedera, ary ilay kofehy jaky sy ilay hysopa avy eo ny mpisorona, ary hampitsoboka ireo zavatra rehetra ireo, mbamin'ilay vorona velona, ao amin'ny ràn'ilay vorona izay novonoina tao amin'ilay rano nalaina tamin'ny rano mandeha. 7 Avy eo dia hafafin'ilay mpisorona im-pito amin'ilay olona hodiovina amin'ny aretina izany rano izany, ary avy eo hanambara azy ho madio ilay mpisorona. Avy eo dia hanafaka ilay vorona velona ho any amin'ny saha malalaka ilay mpisorona 8 Ilay olona voadio dia hanasa ny fitafiany, hanaratra ny volony rehetra, ary hampandro ny tenany ao anaty rano, ary dia hadio izy. Aorian'izay dia tsy maintsy hiditra ao amin'ny toby izy, kanefa hijanona eo ivelan'ny lainy mandritra ny hafitoana. 9 Amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy manaratra ny volon-dohany rehetra izy, ary manaratra ny volom-bavany sy ny volo-masony ihany koa. Tsy maintsy manaratra ny volony rehetra izy, ary tsy maintsy manasa ny fitafiany sy mampandro ny tenany ao anaty rano; ary dia hadio izy. 10 Amin'ny andro fahavalo dia tsy maintsy haka zanak'ondry lahy tsy misy kilema roa izy, zanak'ondry vavy iray herintaona tsy misy kilema, sy koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo amin'ny diloilo ho fanatitra hohanina, ary diloilo iray loga. 11 Ilay mpisorona izay manadio azy dia hampitsangana ilay olona hodiovina, miaraka amin'ireo zavatra ireo, eo anoloan'i Yaveh eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano lay fihaonana. 12 Haka ny iray amin'ireo zanak'ondry lahy ka hanolotra izany ho fanatitra nohon'ny heloka, miaraka amin'ilay logan-diloilo ilay mpisorona; hanevaheva ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Yaveh izy. 13 Tsy maintsy hamono ilay ondry lahy eo amin'ny toerana izay famonoan'izy ireo fanatitra nohon'ny ota sy fanatitra dorana izy, ao amin'ny faritry ny tabernakely, fa an'ny mpisorona ny fanatitra nohon'ny ota, tahaka izany koa ny fanatitra nohon'ny heloka, satria izany no masina indrindra. 14 Haka amin'ny ràn'ny fanatitra nohon'ny heloka ka hametraka izany eo an-tendron-tsofina havanan'ilay olona izay hodiovina ilay, eo amin'ny ankihiben-tanany havanana, ary amin'ny ankihiben-tongony havanana ilay mpisorona. 15 Ary haka diloilo avy amin'ilay loga ilay mpisorona ka handraraka izany eo amin'ny fela-tanany havia, 16 ary hanatsoboka ny ratsan-tanany havanana ao anatin'ilay diloilo eo amin'ny tanany havia, ary hamafy im-pito avy amin'ny diloilo amin'ny rantsan-tanany eo anoloan'i Yaveh. 17 Ary hanosotra ny ambin'ilay diloilo teo amin'ny tanany eo amin'ny tendron-tsofina havanan'ilay olona hodiovina, ny ankihiben-tanany an-kavanana, ary ny ankihiben-tongony an-kavanana ilay mpisorona. Tsy maintsy mametraka izany diloilo izany eo ambonin'ilay rà avy tamin'ny fanatitra nohon'ny heloka izy. 18 Ary ny amin'ireo ambina diloilo izay eo an-tanan'ilay mpisorona, dia hanosotra izany eo amin'ny lohan'ilay olona hodiovina izy, ary ilay mpisorona dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Yaveh. 19 Avy eo dia hanolotra ny fanatitra nohon'ny ota sy hanao fanavotana ho azy izay ho diovina nohon'ny fahalotoany ilay mpisorona, ary aorian'izany dia hamono ilay fanatitra dorana izy. 20 Ary avy eo dia hanolotra ilay fanatitra dorana sy fanatitra hohanina eo ambony alitara ilay mpisorona. Hanao fanavotana ho an'ilay olona ilay mpisorona, ary dia hadio izy. 21 Kanefa, raha mahantra sy tsy mahatakatra ireo sorona ireo ilay olona, dia tokony haka zanak'ondry lahy iray ho fanatitra nohon'ny heloka mba haevaheva izy, mba hanaovana fanavotana ho an'ny tenany, sy koba tsara toto iray am-pahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina, ary diloilo iray loga, 22 miaraka amin'ny domoina roa na zana-boromailala roa, araka izay tratrany; vorona iray ho fanatitra nohon'ny ota ary ilay hafa ho fanatitra dorana. 23 Amin'ny andro fahavalo dia tsy maintsy mitondra ireo ho an'ny fanadiovana azy eo amin'ny mpisorona izy, eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano lay fihaonana, eo anatrehan'i Yaveh. 24 Haka ilay zanak'ondry ho fanatitra ilay mpisorona, ary halainy miaraka amin'izany ilay menak'oliva iray loga, ary hanandratra izany ambony ho fanehoana azy ireo amin'i Yaveh izy. 25 Hamono ilay zanak'ondry ho an'ny fanatitra nohon'ny heloka izy, ary haka amin'ny ràn'ny fanatitra nohon'ny heloka ka hanisy izany eo amin'ny tendron-tsofina havanan'ilay ho diovina, eo amin'ny ankihiben-tanany an-kavanana, ary eo amin'ny ankihiben-tongony an-kavanana. 26 Avy eo dia handraraka amin'ilay diloilo eo am-pelatanany an-kavia ilay mpisorona, 27 ary hamafy im-pito amin'ny rantsan-tanany an-kavanana amin'ilay diloilo izay eo amin'ny tanany an-kavia eo anatrehan'i Yaveh izy. 28 Dia hanisy amin'ilay diloilo izay eo amin'ny tanany ny tendron-tsofina an-kavanan'ilay hodiovina ilay mpisorona, ny ankihiben-tanany havanana, sy ny ankihiben-tongony havanana, eo amin'ilay faritra nasiany ny ràn'ilay fanatitra nohon'ny heloka ihany. 29 Hasiany ny ambin'ilay diloilo izay eo amin'ny tanany ny lohan'ilay hodiovina, mba hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Yaveh. 30 Tsy maintsy manolotra iray amin'ireo domoina na ireo zana-boromailala, araka izay takany izy— 31 iray ho an'ny fanatitra nohon'ny ota ary iray hafa ho fanatitra dorana, miaraka amin'ny fanatitra voa. Avy eo dia hanao fanavotana ho an'ilay ho diovina eo anatrehan'i Yaveh ilay mpisorona. 32 Izany no lalàna ho an'ny olona izay misy aretin-koditra mifindra, izay tsy mahatakatra ny fanatitra mahazatra ho an'ny fanadiovana azy." 33 Niteny tamin'i Mosesy sy tamin'i Arona i Yaveh, nanao hoe: 34 "Raha tonga amin'ny tany Kanana izay nomeko ho fanananareo ianareo, ary raha manisy maty fotsy izay miparitaka ao amin'ny trano ao amin'ny tany izay fanananareo Aho, 35 dia tsy maintsy tonga ary mampilaza ny mpisorona izay tompon'ny trano. Aoka izy hanao hoe: "Toa misy zavatra tahaka ny maty fotsy ao an-tranoko.' 36 Avy eo dia handidy azy ireo ny mpisorona mba hanafoanan'izy ireo ilay trano mialohan'ny hidirany ao hizaha ny fisiana maty fotsy, mba tsy hisy na inona na inona ho voaloto ao amin'ilay trano. Aorian'izay dia tsy maintsy hiditra ao mba hijery ilay trano ny mpisorona. 37 Tsy maintsy mizaha ilay maty fotsy izy raha amin'ny rindrin'ny trano izany, ary hijery raha manopy maitso na manopy mena ny filentiny eo amin'ny rindrin'ny trano. 38 Raha misy maty fotsy ilay trano, dia hivoaka ilay mpisorona ka hanidy ny varavaran'ilay trano mandritra ny hafitoana. 39 Ary hiverina indray ilay mpisorona amin'ny andro fahafito ka hizaha izany mba hamantatra raha niparitaka amin'ny rindrin'ny trano ilay maty fotsy. 40 Raha izany, dia hibaiko ny amin'ny hanalan'izy ireo ny vato izay nahitana ilay maty fotsy ilay mpisorona ka hanipy ireo any amin'ny toerana maloto ivelan'ny tanàna. 41 Hasainy ho kikisana ny rindrina rehetran'ilay trano, ary tsy maintsy harian'izy ireo any ivelan'ny tanàna ireo kikiny izay mamindra ary hariany any amin'ny toerana maloto izany. 42 Tsy maintsy maka vato hafa izy ireo ary mametraka ireo amin'ny toeran'ireo vato izay nesoriny, ary tsy maintsy mampiasa tanimanga vaovao izy ireo mba handalorana ny trano. 43 Raha miverina indray ilay maty fotsy ka mamariparitra ao amin'ny trano izay vao avy nisy vato nesorina sy rindrina vao avy nokikisana ary avy naverina nolalorina, 44 dia tsy maintsy miditra ao ny mpisorona ka mizaha ilay trano mba hijery raha niparitaka ao amin'ny trano ilay maty fotsy. Raha izany, dia maty fotsy mampidi-doza izany, ary ilay trano dia maloto. 45 Tsy maintsy arodana ilay trano. Ireo vato, hazo, ary ireo lalotra rehetra ao amin'ilay trano dia tsy maintsy entina hariana any amin'ny toerana maloto any ivelan'ny tanàna. 46 Ankoatr'izay, na iza na iza miditra ao amin'ilay trano mandritra ny fotoana hikatonany dia haloto mandra-paharivan'ny andro. 47 Izay natory tao amin'ilay trano dia tsy maintsy manasa ireo fitafiany, ary izay nihinana tao amin'ilay trano dia tsy maintsy manasa ireo fitafiany. 48 Raha miditra ao amin'ilay trano ilay mpisorona ka mizaha izany mba hahafantarana raha efa niparitaka manerana ny trano ilay maty fotsy taorian'ny nandalorana ilay trano, ary, raha niala ilay maty fotsy, dia hanambara izy fa madio ny trano. 49 Avy eo dia haka vorona roa, sy hazo sedera, sy kofehy jaky ary hysopa mba hanadiovana ilay trano ilay mpisorona. 50 Ho vonoiny eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha ao anaty siny tanimanga ny iray amin'ireo vorona. 51 Haka ilay hazo sedera, ilay hysopa, ilay kofehy jaky, ary ilay vorona velona izy, ka hanatsoboka izany ao amin'ny ràn'ilay vorona novonoina, ao anaty rano nalaina tamin'ny rano mandeha, ary hamafy izany im-pito ao amin'ilay trano. 52 Hanadio ilay trano amin'ny ràn'ilay vorona sy ilay rano nalaina teny amin'ny rano mandeha izy, miaraka amin'ilay vorona velona, ilay hazo sedera, ilay hysopa, ary ilay kofehy jaky. 53 Kanefa hamela ilay vorona velona hivoaka ny tanàna ho any amin'ny saha midadasika izy. Amin'izany fomba izany no tsy maintsy hanaovany fanavotana ho an'ilay trano, ka dia hadio izany. 54 Izany no lalàna ho an'ireo karazan'aretin-koditra mifindra rehetra sy ireo zavatra izay miteraka aretina tahaka izany, sy ho an'ny hidihidy, 55 ny amin'ny maty fotsy amin'ny fitafiana sy amin'ny trano, 56 ny amin'ny mamontsina, ny amin'ny manako-pery, ary ny amin'ny mifaritra fotsy magirana, 57 mba ahafantarana raha misy amin'ireo tranga ireo no maloto na madio. Izany no lalàna ho an'ny aretin-koditra mifindra sy ny maty fotsy."
Yaveh dia miresaka amin'i Mosesy sy Arona ny amin'ny tsy maintsy ataon'ny olona rehefa misy olona sasana aretin-koditra.
Io dia manondro ny andro izay hanambaran'ny mpisorona azy ho madio araka ny fombafomba.
DH: "tsy maintsy entin'ny olona any amin'ny mpisorona izy" na "tsy maintsy mankany amin' ny mpisorona izy"
Yaveh dia miresaka amin'i Mosesy sy Arona ny amin'ny tsy maintsy ataon'ny olona rehefa misy olona sasana aretin-koditra.
Adikao tahaka ny nanaovanao azy ao amin'ny 13:3 io andian-teny io.
DH: "ny olona izay hosasany"
Ny vorona izay eken'Andriamanitra hohanina sy atolotry ny olona ho sorona dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
"kofehy mena"
Ahitra misy fofona manitra izay ampiasaina amin'ny fitsaboana.
Yaveh dia miresaka amin'i Mosesy sy Arona ny amin'ny tsy maintsy ataon'ny olona rehefa misy olona sasana aretin-koditra.
DH: "ilay vorona izay novonoin'ilay olona"
"ilay olona hodioviny"
Ny olona izay azon'ny olona hafa kasihana sy eken'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
Yaveh dia miresaka amin'i Mosesy sy Arona ny amin'ny tsy maintsy ataon'ny olona rehefa misy olona sasana aretin-koditra.
DH: "ilay olona izay nodiovin'ny mpisorona"
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Eto, ny 'izy" dia manondro ilay olona nosasana.
Ny iray efaha dia 22 litatra.
Ny iray loga dia 0,31 litatra.
DH: "ilay olona izay hosasany"
Ny iray loga dia 0,31 litatra.
Io andian-teny io dia manamafy ilay andian-teny eo aloha ary mamaritra bebe kokoa ny toerana namonoan'ilay mpisorona ilay ondry.
DH: "ilay olona izay hodioviny"
Ny iray loga dia 0,31 litatra.
"hamafy ...eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh." Tsy misy famantarana izay fafazan'ilay mpisorona amin'ilay diloilo.
"ny ambin-diloilo eo an-tanany"
DH: "ilay olona izay hodioviny"
"eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
DH: "ilay olona izay hodioviny"
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Yaveh dia miresaka amin'i Mosesy sy Arona ny amin'ny tsy maintsy ataon'ny olona rehefa misy olona sasana aretin-koditra.
"tsy manana vola ampy mba hividianana"
DH: "izay hahevahevan'ny mpisorona ...ho azy"
am-pahafolon'ny efaha - Ny ireo am-pahafolon'ny efaha dia 22 litatra.
Ny iray loga dia 0,31 litatra.
Ny iray loga dia 0,31 litatra.
DH: "ilay hodioviny"
Yaveh dia miresaka amin'i Mosesy sy Arona ny amin'ny tsy maintsy ataon'ny olona rehefa misy olona sasana aretin-koditra.
"hamafy ...amin'ilay diloilo ... eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh." Tsy misy famantarana izay fafazan'ilay mpisorona amin'ilay diloilo.
DH: "ilay hodioviny"
"Tsy maintsy manolotra ...ilay mpisorona"
DH: "ilay hodioviny"
Adikao tahaka ny nanaovanao azy ao amin'ny 13:3 ireo teny ireo.
Adikao io mba hampazava fa ilay olona dia tsy manana vola ampy mba hividianana ny fanatitra mahazatra. DH: "izay tsy manana vola ampy mba hividianana"
Eto, ny "ianareo" dia manondro ireo vahoakan'Israely rehetra.
Adikao tahaka ny nanaovanao azy ao amin'ny 13:47 io teny io.
Ny teny "fanana" dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "ao amin'ny tany izay anareo"
Raha vao voambaran'ilay mpisorona ho maloto ilay trano, dia lasa maloto ihany ny zavatra rehetra ao anatin'ilay trano. DH: "mba tsy hilana ny hanambarana ny zavatra tavela ao an-tranao ho maloto"
Ny trano izay ambaran'i Yaveh ho tsy mendrika ny kasihana na hitoeran'ny olona dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Midika izany fa ilay mpisorona dia mamantatra raha milentika ilay maty fotsy na tsy milentika eo amin'ny rindrina.
DH: "izay nahitan'izy ireo ilay maty fotsy"
Ny toerana izay tsy mendrika ny ho sahanina na ampiasaina ho an'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Eto, ny "-ny" dia manondro ilay mpisorona.
DH: "ho kikisan'ilay tompony ny rindrina anatiny rehetra"
Io dia manondro ireo zavatra izay misy ilay maty fotsy. DH: "ny kikiny izay nokikisan'izy ireo"
Ny toerana izay tsy mendrika ny ho sahanina na ampiasaina ho an'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
DH: "ireo vato izay nesorin'izy ireo"
"tsy maintsy mandrakotra ireo vato amin'ny tanimanga vaovao izy ireo"
DH: "ao amin'ny trano taorian'ny nanesoran'ny tompony ny vato, nikikisany ny rindrina, ary nandrakofany ny vato vaovao tamin'ny tanimanga"
Ny trano izay tsy mendrika ny ho sahanin'ny olona dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
DH: "Tsy maintsy arodan'izy ireo ilay trano."
DH: "Izy ireo dia tsy maintsy mitondra ireo vato, hazo, ary ireo lalotra rehetra ao amin'ilay trano"
Ny olona izay azon'ny olona hafa kasihana sy eken'ny sitrapon'Andriamanitra nohon'ny fidirana tao amin'ilay trano dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
"mandra-pilentiky ny masoandro"
Dh :"nanisy tanimanga vaovao tamin'ireo vato ny tompony"
Ny toerana izay mendrika ny ho sahanin'ny olona dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
Adikao tahaka ny nanaovanao azy ao amin'ny 14:3 ireo teny ireo.
DH: "Ny ràn'ilay vorona izay novonoiny"
"Ilay mpisorona dia hanadio ilay trano araka ny fombafomba"
Ny trano izay mendrika ny ho sahanin'ny olona dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny
Adikao tahaka ny nanaovanao azy ao amin'ny 13:3 ireo teny ireo.
Adiako tahaka ny nanaovanao azy ao amin'ny 13:47 io teny io.
Adiako tahaka ny nanaovanao azy ao amin'ny 13:5 io teny io.
Ny olona na zavatra izay tsy azon'ny olona hafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny, ary ireo izay azon'ny olona kasihana dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
1 Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh, nanao hoe: 2 "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely ary lazao azy ireo hoe: 'Raha misy lehilahy mamoaka tsiranoka misy otrikaretina avy amin'ny vatany, dia lasa maloto izy. 3 Ny fahalotoany dia vokatr'izany tsiranoka misy otrikaretina izany. Na mitsika ny tsiranoka aminy na tsy mitsika, dia maloto izany. 4 Ny fandriana rehetra handriany dia haloto, ary ny zavatra rehetra izay hipetrahany dia haloto. 5 Na iza na iza mikasika ny fandriany dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano, ary haloto mandra- paharivan'ny andro. 6 Izay rehetra mipetraka amin'ny zavatra izay nipetrahan'ilay lehilahy mitsika tsiranoka misy otrikaretina, izany olona izany dia tokony manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy. 7 Izay rehetra mikasika ny vatan'ilay mitsika tsiranoka misy otrikaretina dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro. 8 Raha mandrora amin'ny olona izay madio ilay olona izay mitsika tsiranoka tahaka izany, dia tsy maintsy manasa ny akanjony izany olona izany ary mandro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy. 9 Ny lasely rehetra izay taingenan'ilay mitsika dia haloto. 10 Na iza na iza mikasika ny zavatra izay tao ambanin' izany olona izany dia haloto mandra-paharivan'ny andro, ary izay rehetra mitondra ireo zavatra ireo dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano; haloto mandra-paharivan'ny andro izy. 11 Na iza na iza mikasika ny tsiranoka tahaka izany kanefa tsy nanasa ny tanany mialoha ao anaty rano, dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano ilay olona voakasika, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy. 12 Ny vilany tany rehetra izay nokasihan'ilay mamoaka tsiranoka tahaka izany dia tsy maintsy vakiana, ary ny vata hazo rehetra dia tsy maintsy sasana amin'ny rano. 13 Rehefa sitrana amin'ny fitsihany izy izay mitsika, dia tsy maintsy manisa fito andro amin'ny fanadiovana azy izy; avy eo hanasa ny akanjony izy ary hampandro ny vatany amin'ny rano mandeha. Dia hadio izy. 14 Amin'ny andro fahavalo dia tsy maintsy maka voromailala roa na zana-boromailala roa izy ary manatona eo anatrehan'i Yaveh eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana; eo izy no hanolotra ireo vorona ho an'ny mpisorona. 15 Tsy maintsy manolotra ireo ilay mpisorona, ny iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ary ny iray hafa ho fanatitra dorana, ary tsy maintsy manao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Yaveh nohon'ny fitsihany izy. 16 Raha misy lehilahy mamoaka tsirinaina, dia tsy maintsy manasa ny vatany manontolo amin'ny rano izy; haloto mandra-paharivan'ny andro izy. 17 Ny fitafiana sy hoditra rehetra izay misy tsirin'aina dia tsy maintsy sasaina amin'ny rano; haloto mandra-paharivan'ny andro izany. 18 Raha miara-mandry ny lehilahy sy vehivavy ary misy fandefasana tsirinaina ao amin-dravehivavy, dia tsy maintsy mandro amin'ny rano izy roa; haloto mandra-paharivan'ny andro izy ireo. 19 Raha fadimbolana ny vehivavy iray, dia hitohy mandritry ny fito andro ny fahalotoany, ary na iza na iza mikasika azy dia haloto mandra-paharivan'ny andro. 20 Ny zavatra rehetra izay handriany mandritry nyfotoanany dia haloto; ny zavatra rehetra izay hipetrahany dia haloto ihany koa. 21 Na iza na iza mikasika ny fandrianany dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano; izany olona izany dia haloto mandra-paharivan'ny andro. 22 Na iza na iza mikasika ny zavatra rehetra izay hipetrahany dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano; izany olona izany dia haloto mandra-paharivan'ny andro. 23 Na amin'ny fandriana izany na amin'ny zavatra izay hipetrahany, raha mikasika izany izy, dia haloto mandra-paharivan'ny andro izany olona izany. 24 Raha miara-mandry aminy ny lehilahy, ary raha mikasika an-dralehilahy ny tsiranoka maloto avy aminy, dia haloto mandritry ny fito andro izy. Ny fandriana rehetra izay handriany dia haloto. 25 Raha misy vehivavy mamoaka rà mandritry ny andro maro izay tsy amin'ny fotoanan'ny fadimbolany, na raha mamoaka tsiranoka ivelan'ny fotoanan'ny fadimbolany izy, dia ho toy ny hoe amin'ny andron'ny fadimbolany izy, mandritry ny andro rehetra hitsihan'ny fahalotoany. Maloto izy. 26 Ny fandriana rehetra handriany mandritry ny fandehanan'ny ràny dia ho toy ny fandriana izay handriany mandritry ny fadimbolany ihany aminy, ary ny zavatra rehetra izay hipetrahany dia haloto, toy ny fahalotoan'ny fadimbolany. 27 Na iza na iza mikasika ireo zavatra ireo dia haloto; tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano izy, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy. 28 Fa raha voadio amin'ny fitsihan'ny ràny izy, dia hanisa fito andro ho azy, ary aorian'izay dia hadio izy. 29 Amin'ny andro fahavalo dia haka voromailala roa na zana-boromailala roa izy ho azy izy ary hitondra ireo any amin'ny mpisorona eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana. 30 Ilay mpisorona dia hanolotra vorona iray ho fanatitra nohon'ny ota ary ny iray hafa ho fanatitra dorana, ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Yaveh izy nohon'ny fitsihan'ny rà malotony. 31 Izany no fomba tokony hanasarahanao ny vahoakan'Israely amin'ny fahalotoan'izy ireo, ka tsy ho faty nohon'ny fahalotoany izy ireo, amin'ny fandotoana ny tabernakely, izay hitoerako eo amin'izy ireo. 32 Ireo no didy amam-pitsipika ho an'ny rehetra izay mamoaka tsiranoka, ho an'ny lehilahy rehetra izay mamoaka ny tsirinainy sy mandoto ny tenany, 33 ho an'ny vehivavy izay ao anaty fadimbolana, ho an'ny rehetra izay mamoaka tsiranoka, na lahy na vavy, ary ho an'ny lehilahy rehetra izay miara-mandry amin'ny vehivavy maloto.'"
Io dia manondro ny faritra saro-padin'ny lehilahy"
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
"maloto ny vatany" na "maloto izy"
Ny fandriana na zavatra izay ipetrahan'ny olona iray ka tsy azon'ny olona hafa kasihana dia resahin atoy ny hoemaloto ara-bakiteny.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
"mandra-pilentiky ny masoandro"
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
"mandra-pilentiky ny masoandro"
"izay mikasika na faritra aiza na faritra aiza amin'ny vatana"
Ny olona izay azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Ny lasely dia seza hoditra izay ataon'ny olona eo an-damosin'ny soavaly mba hahafahana mitaingina azy.
Zavatra izay voalazan'Andriamanitra ho tsy mendrika kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana.
Yaveh dia miresaka amin'i Mosesy sy Arona ny amin'ny tsy maintsy ataon'ny olona mba hisorohana ny fifindran'ny aretina.
Io dia manondo ilay olona misy tsiranoka mitondra aretina.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
"mandra-pilentiky ny masoandro"
"Na iza na iza kasihan'ilay olona misy ilay tsiranoka mitondra aretina"
DH: "ilay olona izay nokasihany"
DH: "Tsy maintsy misy mamaky izay vilany rehetra kasihan'ilay misy tsiranoka tahaka izany"
DH: "tsy maintsy misy manasa ny vata hazo rehetra amin'ny rano"
Ny olona sitrana tamin'ny aretiny dia resahina toy ny hoe lasa madio ara-bakiteny. DH: "sitrana tamin'ny aretiny"
Ny olona izay azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
Ny olona na zavatra izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
"mandra-pilentiky ny masoandro"
DH: "Tsy maintsy misy manasa ireo fitafina na hoditra rehetra izay misy tsirinaina"
Ireo dia samy manondro ny fotoana izay mampisy rà mivoaka mivoaka avy ao an'kibon'ny vehivavy.
"haloto hatrany izy"
Ny olona na zavatra izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Io dia manondro ny vehivavy izay ao anaty fadimbolana.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
"mandra-pilentiky ny masoandro"
"ny rà avy ao an-kibony"
Ny olona na zavatra izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Io dia midika fa raha mivoaka rà avy an-kibo amin'ny fotoana hafa ankoatra ny fadimbolany ara-dalàna ilay vehivavy, dia mbola maloto tahaka ny fotona maha ao anaty fadimbolana azy ihany izy.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Ny zavatra izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Ny teny "izy" dia manondro ilay vehivavy izay ao anaty fadimbolana.
Ny vehivavy izay sitrana tamin'ny fandehanan'ny rà dia resahina toy ny hoe lasa madio ara-bakiteny. DH: "sitrana tamin'ny fitsihan'ny rà"
Ny vehivavy izay azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
"haka ...ho an'ny tenany"
"ny fitsihan'ny ràny dia mahatonga azy ho maloto"
Yaveh dia miresaka ny amin'ny fampitandremany ny vahoaka mba tsy ho amin'ny fahalotoana toy ny hoe mihazona ireo vahoaka ireo mba lavitry ny fahalotoana. DH: "Izany no fomba tsy maintsy hampitandremanao ny vahoakan'israely mba tsy haloto.
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana sy tsy eken'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
"ireo no zavatra tsy maintsy atao"
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
"izay tonga fotoana" na "izay mandeha rà avy ao an-kibony"
1 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh—izany dia taorian'ny nahafatesan'ireo zanak'i Arona roa lahy, rehefa nandeha nanakaiky an'i Yaveh izy ireo ary maty avy eo. 2 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Miresaha amin'i Arona rahalahinao ary lazao izy mba tsy ho tonga amin'ny fotoana rehetra any amin'ilay fitoerana masina indrindra anatin'ny efitra lamba, eo anoloan'ny sarom-panavotana izay eo amin'ny fiara. Raha manao izany izy, dia ho faty, satria miseho amin'ny rahona eo amin'ilay sarom-panavotana Aho. 3 Koa izao no fomba tokony ahatongavan'i Arona ao amin'ilay toerana masina indrindra. Aoka izy hiditra miaraka amin'ny vantotr'omby lahy ho fanatitra nohon'ny ota, ary ondry lahy ho fanatitra dorana. 4 Tsy maintsy manao ny akanjo lava masina vita amin'ny lamba rongony fotsy izy, ary tsy maintsy manao atin'akanjo vita amin'ny rongony fotsy ary tsy maintsy manao fehin-kibo rongony fotsy sy hamama rongony fotsy. Ireo no fitafiana masina. Tsy maintsy mampandro ny tenany amin'ny rano izy ary avy eo mitafy ireo akanjo ireo. 5 Tsy maintsy maka osy lahy roa avy amin'ireo fivondronan'ny vahoakan' Israely izy ho fanatitra nohon'ny ota ary ondry lahy iray ho fanatitra dorana. 6 Avy eo aoka Arona hanolotra ilay vantotr'omby lahy ho fanatitra nohon'ny ota, izay ho an'ny tenany, mba hanaovana fanavotana ho an'ny tenany sy ny fianakaviany. 7 Avy eo dia haka ireo osy lahy roa izy ary hametraka ireo eo anatrehan'i Yaveh eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana. 8 Avy eo Arona tsy maintsy miloka an'ireo osy roa, loka iray ho an'i Yaveh, ary ny loka iray hafa ho an'ny azazela. 9 Tsy maintsy manolotra ilay osy eo amin'ilay nianjeran'ny loka ho an'i Yaveh i Arona avy eo, ary manolotra izany osy izany ho fanatitra nohon'ny ota. 10 Fa ilay osy izay nianjeran'ny loka ho an'ilay azazela dia tsy maintsy entina velona eo anatrehan'i Yaveh, mba hanaovana fanavotana amin'ny fandefasana azy toy ny azazela mankany an'efitra. 11 Avy eo Arona dia tsy maintsy nanolotra ilay vantotr'omby lahy ho an'ny fanatitra nohon'ny ota, izay ho an'ny tenany. Tsy maintsy manao fanavotana ho an'ny tenany sy ho an'ny fianakaviany izy, ka tsy maintsy mamono ilay vantontr'omby lahy ho fanatitra nohon'ny ota ho an'ny tenany izy. 12 Tsy maintsy maka fitondran'afo feno vain'afo avy eo amin'ny alitara eo anatrehan'i Yaveh i Arona, miaraka amin'ny ditin-kazo manitra madinika eran'ny tanana, ary mitondra ireo zavatra ireo ao anatin'ny efitra lamba. 13 Ao izy no tsy maintsy mametraka ilay ditin-kazo ho ao anaty afo eo anatrehan'i Yaveh mba handrakotra ilay rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin'ireo didim-panekana ilay rahona avy amin'ilay ditin-kazo. Tsy maintsy manao izany izy mba tsy ho faty. 14 Avy oe dia tsy maintsy maka amin'ny ràn'ilay vantitr'omby lahy izy ka hamafy izany amin'ny tanany eo anoloan'ilay rakotra fanaovam-panavotana. Tsy maintsy mamafy ny sasany amin'ilay rà amin'ny rantsan-tanany im-pito eo anatrehan'ilay rakotra fanaovam-panavotana izy. 15 Dia hamono ilay osy lahy ho fanatitra nohon'ny ota izay ho an'ny vahoaka ary hitondra ny ràny ho ao anatin'ny efitra lamba izy. Tsy maintsy manao toy ny efa nataony tamin' ilay rà no ataony amin'ny ràn'ilay vantotr'omby lahy: tsy maintsy mamafy izany eo amin'ny rakotra fanaovam-panavotana izy ary avy eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana. 16 Tsy maintsy manao fanavotana ho an'ilay toerana masina izy noho ireo asa maloton'ny vahoakan'Israely, sy nohon'ny fikomian'izy ireo sy ny fahotany rehetra. Tsy maintsy manao izany ho an'ny lay fihaonana ihany koa izy, izay hitoeran'i Yaveh eo amin'izy ireo, amin'ny fanatrehan'ireo asa maloton'izy ireo. 17 Tsy misy tokony ho ao amin'ny lay fihaonana rehefa miditra ao amin'izany mba hanao fanavotana ao amin'ilay toerana masina indrindra i Arona, ary mandra-pivoakany sy mandra-pahavitany ny fanavotana ho an'ny tenany sy ho an'ny fianakaviany, ary ho an'ny fivondronan'Israely rehetra. 18 Tsy maintsy mivoaka eo amin'ny alitara izay eo anatrehan'i Yaveh izy ary manao fanavotana ho an'izany, ary tsy maintsy maka amin'ny ràn'ilay vantitr'omby lahy sy ny amin'ny ràn'ilay osy lahy izy ary mametraka izany manodidina ny tandroky ny alitara rehetra. 19 Tsy maintsy mamafy ny ampahany amin'ilay rà eo amin'izany amin'ny tanany im-pito izy mba hanadiovana izany sy hanokanana izany ho an'i Yaveh, lavitr'ireo asa maloton'ny vahoakan'Israely. 20 Rehefa vitany ny fanavotana an'ilay toerana masina indrindra, ny lay fihaonana, sy ny alitara, dia tsy maintsy manolotra ilay osy lahy velona izy. 21 Tsy maintsy mametraka ny tanany eo an-dohan'ilay osy lahy velona izy ary miaiky ireo faharatsina rehetran'ny vahoakan'Israely, ny fikomiany rehetra, sy ny fahotany rehetra eo aminy. Avy eo izy dia tsy maintsy mametraka izany ota izany eo an-dohan'ilay osy lahy velona ary mandefa ilay osy lahy ho entin'ny lehilahy izay vonona hitarika ilay osy ho any an'efitra. 22 Tsy maintsy entin'ilay osy lahy mankany an'efitra ny faharatsian'ny vahoaka rehetra. Any an'efitra any, dia tsy maintsy hamela ilay osy ilay lehilahy. 23 Avy eo dia tsy maintsy miverina any amin'ny lay fihaonana i Arona ary hanala ireo akanjo rongony fotsy izay nanaovany mialohan'ny nandehanana ho ao amin'ilay toerana masina indrindra, ary tsy maintsy mamela ireo akanjo ireo ao izy. 24 Tsy maintsy mampandro ny vatany amin'ny rano any amin'ny toerana masina izy, ary manao akanjo tsotra; avy eo dia tsy maintsy mivoaka izy ary manolotra ny fanatiny dorana sy ny fanatitra dorana ho an'ny vahoaka, ary amin'izany fomba izany dia hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ho an'ny vahoaka. 25 Tsy maintsy mandoro ny sabora amin'ilay fanatitra nohon'ny ota eo amin'ny alitara izy. 26 Izay nandefa ilay azazela dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano; aorian'izany, dia hiverina any amin'ny toby izy. 27 Ilay vantotr'omby lahy ho an'ny fanatitra nohon'ny ota sy ilay osy lahy ho an'ny fanatitra nohon'ny ota, izay nentina nanaovana fanavotana tany amin'ny toerana masina ny ràny, dia tsy maintsy entina ivelan'ny toby. Any izy ireo no tsy maintsy mandoro ny hodiny, ny nofony, ary ny tain-drorohany. 28 Ilay lehilahy izay mandoro ireo faritra ireo dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mampandro ny tenany amin'ny rano; aorian'izany, dia hiverina any amin'ny toby izy. 29 Ho lalàna mandrakizay ho anareo amin'ny volana faha-fito, amin'ny andro fahafolon'ny volana izany, aoka ianare, na ny tompon-tany na ny vahiny izay miaina eo aminareo hanetri-teny sy tsy hiasa. 30 Izany dia satria amin'izany andro izany ny fanavotana dia ho atao ho anareo, mba hanadiovana anareo amin'ny fahotanareo rehetra mba hadio eo anatrehan'i Yaveh ianareo. 31 Ho Sabata fitsaharana manetriketrika ho anareo izany, ary tsy maintsy manetri-tena sy tsy miasa ianareo. Ho lalàna mandrakizay eo aminareo izany. 32 Ny mpisoronabe, izay ho hosorana sy ho tondroina ho mpisoronabe eo amin'ny toeran'ny rainy, dia tsy maintsy manao izany fanavotana izany sy manao ireo akanjo rongony fotsy, izany dia, ilay akanjo masina. 33 Tsy maintsy manao fanavotana ho an'ilay toerana masina indrindra izy; tsy maintsy manao fanavotana ho an'ny lay fihaonana sy ho an'ny alitara izy, ary tsy maintsy manao fanavotana ho an'ireo mpisorona sy ny vahoaka rehetra ao amin'ny fivondronana izy. 34 Ho lalàna ho anareo mandrakizay izany, mba hanaovana fanavotana ho an'ny vahoakan'Israely nohon'ny otany rehetra, indray mandeha isan-taona." Vita araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy izany.
Io dia manpondro an'i Nadaba sy i Abiho. Izy ireo dia maty nohon'ny fitondrana afo ho an'i Yaveh izay tsy nekeny.
"Izao no fomba"
"Io dia fitafiana izay mikasika amin'ny hoditra, ao anatin'ny akanjo ivelany.
Lamba lavalava izay mifatotra manodidina ny valahana na tratra.
Io dia saron-doha atao amin'ny ravin-damba mivalombalona.
"avy amin'ny fihaonambe"
"fanatitra nohon'ny ota ho an'ny tenany"
"Ny osy izay nalefa." Arona dia nandefa olona nanafaka ireo osy any amin'ny efitra.
"eo amin'ilay voatondron'ny loka"
DH: "Fa Arona dia tsy maintsy mitondra ilay osy ...velona eo anatrehan'i Yaveh"
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i mosesy sy Arona ny amoin'ny tsy maintsy atao amin'ny Andro Fanavotana.
Arona dia hitaty ny ràn'ilay vantotr'omby amin'ny lovia jobo mba hahafahany mamafy izay eo amin'ny saron'ny fanaovana fanavotana avy eo. Ny dika fenon'io fanambarana dia azo atao mazava.
Fitondrana afo sy dintin-kazo manitra, izay ampiasain'ny mpisorona.
"ditin-kazo mamerovero." Io dia manondro ilay hanitra fa tsy ny tsiron'ilay dintin-kazo.
Io dia ny rà izay notatazan'i Arona tamin'ny lovia jobo tao amin'ny 16:11.
Nampiasa ny rantsan-tananay izy mba hanosorana ilay rà.
Manisy rà eo amin'ny faritry ny sarona izy. Manisy izany amin'ny lafiny izay manatrika azy raha vantany miditra ny toerana masina ihany koa izy.
Irezo mety ho heviny dia 1) "eo ambanin'ilay rakotra fanaovam-panavotana mankeo amin'ny vatany" na 2) "mankeo amin'ny fanambany eo anoloan'ny vatan'ny rakotra fanaovam-panavotana."
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i mosesy sy Arona ny amoin'ny tsy maintsy atao amin'ny Andro Fanavotana.
Arona dia namafy ilay rà amin'ny fomba mitovy tamin'ny nanaovany ny rà'ilay vantotr'omby lahy. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny fampahafantarana teo aloha ao amin'ny 16:14.
Ny fahotan'ireo vahoakan'ireo Israely dia nahatonga ny toerana masina ho maloto.
Ireo teny ireo dia mitovy ny heviny amin'ny ankapobeny. Izy ireo dia manamafy fa ireo vahoaka dia efa nanao ireo karazam-pahotana rehetra.
Ny asa feno fahotana izay mahatonaga ny olona ho tsy sitrak'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Ny andian-teny "ireo asa maloton'izy ireo" dia mampiseho ireo vahoaka izay manao asa feno fahotana. DH: "eo anatrehan'ny olona izay manao asa feno fahotana"
Io dia ny alitara fanaovana sorona ao an-tokontanin'ny tabernakely.
Tahaka ny toerana masina sy ny lay fihaonana, ilay alitara dia maloto nohon'ny fahotan'ireo vahoaka.
"ny sary hita eo amin'ny zoron'ny alitara" Io dia manondro ny zoron'ny alitara. Toy ny tandrok'omby ny endrik'izy ireo. Adikao tahaka ny nanaovanaoazy ao amin'ny 4:6.
Ny fahamendrehan'ny fampiasana ny alitara ho an'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
Ny fanokanana ny alitara ho an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe nosarahina ara-bakiteny tamin'ny fahotan'ireo vahoaka.
Ireo asa feno fahotana izay mahatonga ny olona ho tsy ankasitrahin'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe asa maloto ara-bakiteny.
Io osy io dia antsoina hoe azazela ao amin'ny 16:8.
miaiky eo amin'ilay osy"
Ny zavatra ataon'i Arona eto dia fihetsika famindrana ny fahotan'ny olona ho amin'ny osy mba ho marika fa ilay osy dia hitondra ny sazy nohon'ny helok'izy ireo.
Ireo dia mitovy hevitra amin'ny ankapobeny. Arona dia miaiky ny amin'ny fahotana rehetra izay vitan'ireo vahoaka.
Ireo dia akanjo manokana izay anaovan'i Arona rehefa niditra ny toerana masina indrindra fotsiny ihany izy.
Eto, ny "toerana masina" dia tsy manondro ny lay fihaonana. Io dia karazana toerana hafa izay natokana mba hampandroany ny tenany.
Ireo dia ny akanjo izay anaovan'i Arona amin'ny raharaha andavan'andro.
"Arona dia tsy maintsy madoro"
Ilay olona dia maloto nohon'ny fikasihany tamin'ilay azazela, izay nitondra ny fahotan'ny vahoaka.
"Ny osy izay nalefa." Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 16:8.
DH: "izay nentin'i Arona ...ny ràny"
DH: "tsy maintsy misy olona mitondra"
"hoditra." Eto, ny "-ny" dia bmanondro ilay vantotr'omby lahy sy ilay osy.
Ny teny "ianareo" dia manondro ireo vahoakan'Israely.
Io dia volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahafolo dia manakaiky ny faran'ny volana Septambra amin'ny tetiandro tandrefana.
DH: "Hanao fanavotana ho anareo i Arona"
Ny olona izay eken'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
Io dia tsy mitovy amin'ny Sabata izay ankalazain'izy ireo izay ny andro fahafiton'ny herinandro. Io dia Sabata manokana amin'ny Andro Fanavotana.
DH: "izay hosorana sy ho tondroin'izy ireo"
Rehefa maty ny mpisoronabe, dia ny iray amin'ireo zanany lahy no misolo azy.
Ireo dia akanjo manokana izay anaovan'ny mpisoronabe rehefa miditra ny toerana masina izy.
"ny vahoakan'Israely rehetra"
Mamarana ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona amin'ny Andro Fanavotana i Yaveh.
DH: "Ary nanao araka izay nandidian'i Yaveh i Mosesy" na "Ary Arona dia nanao araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy"
1 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 2 "Miresaha amin'i Arona sy ireo zanany lahy, sy amin'ny vahoakan'Israely rehetra. Teneno azy ireo izay nandidian'i Yaveh: 3 'Ny lehilahy ao Israely izay mamono omby, zanak'ondry, na osy eo amin'ny toby na mamono izany ivelan'ny toby, mba hanao sorona izany— 4 ka raha tsy mitondra izany eo amin'ny fidirana amin'ny trano-lay fihaonana mba hanatitra izany ho sorona ho an'i Yaveheo anoloan'ny tabernakeliny izy, dia ho meloka amin'ny fandatsahan-drà izany lehilahy izany. Nandatsa-drà izy, ary tsy maintsy esorina eo amin'ny vahoakany izany lehilahy izany. 5 Ny anton'izany didy izany dia ny mba hitondran'ny vahoakan'Israely ny soron'izy ireo amin'i Yaveh eo amin'ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana, mba hatolotry ny mpisorona ho fanati-pihavanana amin'i Yaveh, fa tsy hanatitra sorona ao amin'ny saha malalaka. 6 Hamafy ny rà eo amin'ny alitaran'i Yaveh eo amin'ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana ny mpisorona; handoro ny sabora ho an'izany izy mba hanome hanitra mamerovero ho an'i Yaveh. 7 Aoka tsy hanatitra ny soron'izy ireo amin'ny sampy osy intsony ny vahoaka, fa tamin'izany no nanaovan'izy ireo fijangajangana. Ho lalàna maharitra eo amin'izy ireo hatramin'ny taranaka fara-mandimbiny izany.' 8 Aoka ianao hilaza amin'izy ireo hoe: 'Na iza na iza lehilahy eo amin'Israely, na vahiny izay monina eo amin'izy ireo, manatitra fanatitra dorana na sorona 9 ka tsy mitondra izany eo amin'ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana mba hanao sorona izany ho an'i Yaveh, dia aoka ho esorina eo amin'ny vahoakany izany lehilahy izany. 10 Raha misy olona amin'ny ankohonan' Israely, na misy vahiny izay monina eo amin'izy ireo mihinana rà, dia hanandrina ny tavako hanohitra izany olona izany Aho ary hanongotra izany olona izany eo amin'ny vahoakany Aho. 11 Fa ao amin'ny ràny ny ain'ny biby. Nomeko anao ny ràn'izany mba hampisy fanavotana eo amin'ny alitara ho an'ny ainareo, satria ny rà no mampisy fanavotana, fa ny rà no manonitra ny aina. 12 Noho izany dia niteny tamin'ny vahoakan'Israely Aho mba tsy hisy hihinana rà eo aminareo, na misy hihinana rà izay vahiny monina eo aminareo. 13 Na iza na iza amin'ny vahoakan'Israely, na izay vahiny monina eo amin'izy ireo, izay mihaza sy mamono biby na vorona izay azo hanina, dia handraraka ny ràn'izany ary hanototra tany ilay rà. 14 Fa ao amin'ny ràny ny ain'ny zava-boaary rehetra. Izany no nilazako tamin'ny vahoakan'Israely hoe: "Aoka ianareo tsy hihinana ny ràn'ny zava-boaary, satria ao amin'ny ràny ny ain'ny zava-manan'aina rehetra. Na iza na iza mihinana izany dia aoka ho roahina." 15 Ny olona tsirairay izay mihinana biby efa maty na voaviraviran'ny bibi-dia, na tera-tany na vahiny ilay olona monina eo aminareo, dia aoka izy hanasa ny akanjony ary hampandro ny tenany amin'ny rano, ary haloto izy mandra-paharivan'ny andro. Dia hadio izy avy eo. 16 Fa raha tsy manasa ny akanjony na mampandro ny vatany izy, dia aoka izy hizaka ny helony.'"
"eo anoloan'ny tabernakelin'i Yaveh"
Ny olona izay voahiliky ny fiaraha-moniny dia resahina toy ny hoe nesorina teo amin'ny vahoakany, tahaka ny fandrovitana singan-damba iray na fanapahana rantsan-kazo iray hiala amin'ny vatan-kaz. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 7:19. DH: "izany olona izany dia tsy hiara-honina amin'ny vahoakany intsony" na "aoka hosarahinareo amin'ny vahoakany izany olona izany"
DH: "amin'ny mpisorona mba hahafahany manao sorona ireo"
Ny olona izay tsy mahatoky amin'i Yaveh amin'ny alalan'ny fanompoana andriamanitra tsy marina dia resahina toy ny manao toy ny lehilahy izay mamitaka ny vadiny amin'ny alalan'ny fijangajangana. DH: "fa tamin'izany no tsy nitokian'izy ireo tamin'i Yaveh"
Adikao tahaka ny nanaovanao azy ao amin'ny 3:15 io andian-teny io.
Ny olona izay voahiliky ny fiaraha-moniny dia resahina toy ny hoe nesorina teo amin'ny vahoakany, tahaka ny fandrovitana singan-damba iray na fanapahana rantsan-kazo iray hiala amin'ny vatan-kaz. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 7:19. DH: "izany olona izany dia tsy hiara-honina amin'ny vahoakany intsony" na "aoka hosarahinareo amin'ny vahoakany izany olona izany"
Ny teny "tava" dia mapiseho ilay olona. Io fomba fiteny io dia midika fandavana olona na zavatra. DH: " hanandrina ny tenako hanohitra izany olona izany Aho" na "handà izany olona izany Aho"
Ny olona izay voahiliky ny fiaraha-moniny dia resahina toy ny hoe nesorina teo amin'ny vahoakany, tahaka ny fandrovitana singan-damba iray na fanapahana rantsan-kazo iray hiala amin'ny vatan-kazo. DH: "tsy hamela izany olona izany hiara-honina amin'ny vahoakany intsony Aho" na "ho sarahiko amin'ny vahoakany izany olona izany"
Io dia midika fa Andriamanitra dia mampiasa ny rà mba hanonerana ny fahotan'ny vahoaka satria ny rà no aina. Ireo vahoaka di tsy tokony hihinna rà satria mamana ny tanjony manokana izany.
Eto, ny "Aho" dia manondro an'i Yaveh.
"Tsy hisy hihinana hena mbamin'ny rà amin'izany eo aminareo"
DH: "izay nolazaiko fa azon'izy ireo hanina"
"ary hanototra fotaka ilay rà"
Io dia midika fa ny rà no hahafaha'ny zava-boaary mivelona. Ny dika fenon'io fanambarana io dia azo atao mazava. DH: "Noho ny ràny no hahafahan'ny zava-boaary tsirairay mivelona"
Ny olona izay voahiliky ny fiaraha-moniny dia resahina toy ny hoe nesorina teo amin'ny vahoakany, tahaka ny fandrovitana singan-damba iray na fanapahana rantsan-kazo iray hiala amin'ny vatan-kaz. DH: "Na iza na iza mihinana rà dia tsy hiara-honina amin'ny vahoakany intsony izy" na "aoka hosarahinareo amin'ny vahoakany ny olona izay mihinana rà"
Manohy ny fitenenany i Yaveh.
Ny biby izay novonoin'ny bibi-dia dia resahina toy ny hoe namiraviravira ilay biby ilay bibi-dia. DH: "izay efa novonoin'ny bibi-dia"
"Israelita"
Ny olona izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny ary Ny olona izay azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
"mandra-pilentiky ny masoandro"
Ny heloky ny olona iray dia resahina toy ny zavatra mivaingana izay entin'ilay olona. Eto, ny teny "heloka" dia manondro ny fanasaziana ny amin'izany heloka izany. DH: "ary dia ho tompon'andraikitry ny helony manokana izy" na "ary dia hanasazy azy nohon'ny helony Aho"
1 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 2 "Miresaha amin'ny vahoakan' Israely ary lazao izy ireo hoe: 'Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. 3 Aza manao ny zavatra izay ataon'ny vahoaka any Egypta, izay nonenanareo teo aloha. Aza manao izay zavatra ataon'ny vahoaka ao Kanana, ilay tany izay hitondrako anareo. Aza manaraka ny fomban'izy ireo. 4 Ny lalàko no aoka hataonareo, ary ireo didiko no aoka ho tandremanareo, mba handehananareo eo amin'izy ireo, satria Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. 5 Noho izany dia tandremo ireo didy aman-dalàko. Raha misy olona mankatò ireny, dia ho velona noho izy ireny izy. Izaho no Yaveh. 6 Aoka tsy hisy olona hiara-mandry amin'izay olona mifandray akaiky aminy. Izaho no Yaveh. 7 Aza manala baraka ny rainareo amin'ny fatoriana miaraka amin'ny reninareo. Reninareo izy! Aza manala baraka azy. 8 Aza miara-mandry amin'ireo vadin-drainareo; aoka ianareo tsy hanala baraka ny rainareo tahaka izany. 9 Aza miara-mandry amin'izay anabavinareo, na zanaka vavin'ny rainareo izy na zanaka vavin'ny reninareo, na dia natsangana tao amin'ny tranonareo na lavitra anareo aza izy. Aza miara-mandry amin'ny anabavinareo. 10 Aza miara-mandry amin'ny zanaka vavin'ny zanakareo lahy na amin'ny zanaka lahin'ny zanakareo vavy. Fa ho henatra ho anareo ihany izany. 11 Aza miara-mandry amin'ny zanaka vavin'ny vadin-drainareo, izay nateraky ny rainareo. Anabavinareo izy, ary aoka ianareo tsy hiara-mandry aminy. 12 Aza miara-mandry amin'ny anabavin-drainareo. Havana akaikin'ny rainareo izy. 13 Aza miara-mandry amin'ny rahavavin-dreninareo. Havana akaikin'ny reninareo izy. 14 Aza manala baraka ny rahalahin-drainareo amin'ny fiaraha-mandry amin'ny vadiny. Aza manakaiky azy amin'izany tanjona izany; nenitoanareo izy. 15 Aza miara-mandry amin'ny vinanto vavinareo. Vadin-janakareo izy; aza miara-mandry aminy. 16 Aza miara-mandry amin'ny vadin-drahalahinareo; aza manala baraka azy amin'izany fomba izany. 17 Aza miara-mandry amin'ny vehivavy iray sy ny zanany, na amin'ny zanaka vavin'ny zanany lahy na amin'ny zanaka vavin'ny zanany vavy. Havana akaiky azy izy ireo, ary faharatsiana ny fiaraha-mandry amin'izy ireo. 18 Aoka ianareo tsy hanambady ny rahavavim-badinareo ho vady faharoa ary hiara-mandry aminy raha mbola velona ny vadinareo voalohany. 19 Aza miara-mandry amin'ny vehivavy mandritry ny fadimbolany. Maloto izy mandritr'izany fotoana izany. 20 Aza miara-mandry amin'ny vadin'ny mpiray vody rindrina aminareo ka handoto ny tenanareo miaraka aminy amin'izany fomba izany. 21 Aoka ianareo tsy hanome ireo zanakareo ho atao eo amin'ny afo, fa manao sorona azy ireo ho an'i Moloka ianareo amin'izany, satria tsy mahazo maniratsira ny anaran'Andriamanitrareo ianareo. Izaho no Yaveh. 22 Aza miara-mandry amin'ny lehilahy hafa toy ny miaraka amin'ny vehivavy. Ratsy izany. 23 Aza miara-mandry amin'ny biby sy mandoto ny tenanareo miaraka amin'izany. Aoka tsy hisy vehivavy hihevitra fiaraha-mandry amin'ny biby. Fahavetavetana izany. 24 Aza mandoto ny tenanareo amin'ireo fomba ireo, fa tamin'ireo fomba rehetra ireo no nampahaloto ireo firenena, ireo firenena izay ho roahiko eo anatrehanareo. 25 Voaloto ny tany, ka nosaziako ny fahotan'izy ireo, ary nandoa ireo mponiny ny tany. 26 Noho izany, ianareo, dia aoka hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko, ary aoka ianareo tsy hanao ireo zava-mahatsiravina ireo, na ny tera-tany Israelita izany na ny vahiny izay monina eo aminareo. 27 Fa izany no faharatsiana efa nataon'ny mponin'ny tany, ireo izay nonina teto talohanareo, ary voaloto ny tany ankehitriny. 28 Noho izany dia mitandrema mba tsy haloan'ny tany ihany koa ianareo aorian'ny nandotoanareo azy, tahaka ny nandoavany ny vahoaka izay teo alohanareo. 29 Na iza na iza manao ireo zava-mahatsiravina ireo, ireo olona izay manao zavatra toy izany dia ho esorina tsy ho eo amin'ny vahoakan'izy ireo. 30 Noho izany dia tandremo ny didiko mba tsy hanao ireo fomba mahatsiravina izay natao teto talohanareo ireo, ka tsy handotoanareo ny tenanareo amin'ireo. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo.'"
Ireo andian-tey roa ireo dia mitovy ny heviny amin'ny ankapobeny ary manamafy fa ny vahoaka dia tsy maintsy mankatò ny zavatra rehetra izay nandidian'Yaveh mba hataon'izy ireo. Azonao atao ny mandika ireo fampitoviana ireo ho fanambarana iray izay mampita ny fepetra mba hitandremana ny didin'i Yaveh rehetra. DH: "Aoka ianareo hankatò ny lalàko sy ny didiko rehetra"
Ny fankatoavana ny didin'i Yaveh dia resahina toy ny hoe lalana izay andehanan'ny olona. DH: "ka mba hitondranareo tena mifanaraka amin'izy ireo"
Matetika ny lehilahy dia nanana vady mihoatra ny iray. Andriamanitra dia tsy namela ny zanaka lahy handry amin'ny vehivavy izay nanambady ny rainy.
Io dia midika fany lehilahy dia tsy ùmahazo mandry amin'ny anabaviny raha toa ka ray aman-dreny iray ihany ny an'izy ireo na raha manana ray na reny hafa izy.
DH: "na lebibe tao an-tranonao na lavitra ny tranonao aza izy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "aza miara-mandry amin'ny zanaka vavin-drainareo na zanaka vavin-dreninareo" (UDB). Eto, ilay lehilahy dia tsy iray ray na reny amin'ilay vehivavy. Lasa mpianadahy izy ireo rehefa mivady ny ray aman-drenin'izy ireo.
"Aza manakaiky azy mba hiara-handry aminy"
Mamerimberina izany i Yaveh mba hanamafisany ny didiny.
Io dia fotoana mampandeha rà avy any an-kibon'ny vehivavy.
Ny vehivavy izay tsy azon'ny olon-kafa kasihana dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
"ny vadin'ny lehilahy hafa"
Yaveh dia manohy ny fitenenany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'ny tsy maintsy ataon'ny olona mba tsy handoto azy ireo.
Ny andian-teny "ampandalovina amin'ny afo" dia midika fandorana zavatra amin'ny afotoy ny sorona. DH: "Aoka tsy handoro velona ny zanakareo ianareo"
Eto, ny teny "maniratsira" dia midika hoe manala baraka. Ny teny "anarana" dia manodro ny tenan'Andriamanitra. DH: "Aoka ianareo tsy hanala baraka ny an'Andriamanitrareo"
Eto, ny "fahavetavetana" dia manondro ny fanitsakitsahana ny baiko voajanaharin'ny zavatra araka ny niheveran'Yaveh azy.
Io dia manondro ireo vondrom-bahoaka izay efa mipetraka any Kanana. Adikao io mba hampazava fa ilay voambolana "firenena" dia ireo vahoaka. DH: "nandoto ny tenany ireo vahoakan'ny firenena"
"Nandoto ny tany ireo vahoaka"
Ny faneren'Yaveh ny fanesorana ireo vahoka eo amin'ny tany dia resahina toy ny hoe olona mando vahoaka ilay tany. DH: "Tereko hiala tsy ho amin'ny tany ireo vahoaka, tahaka ny olona mandoa sakafo"
"ireo zavatra maharikoriko ireo"
Io dia manondro "ireo zava-mahatsiravina"
"Koa tandremo ny fankatoavana Ahy"
Ny faneren'Yaveh ny fanesorana ireo vahoka eo amin'ny tany dia resahina toy ny hoe olona mando vahoaka ilay tany. Jereo ny nandikanao io sarin-teny io ao amin'ny 18:24. DH: "mba tsy hanereko anareo hiala tsy ho amin'ny tany ...araka ny nanesorako ireo vahoaka"
Mamarana ny fitenenany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'ny tsy maintsy ataon'ireo vahoaka i Yaveh.
Ny olona izay voahiliky ny fiaraha-moniny dia resahina toy ny hoe nesorina teo amin'ny vahoakany, tahaka ny fandrovitana singan-damba iray na fanapahana rantsan-kazo iray hiala amin'ny vatan-kaz. DH: "ireo olona ...dia tsy hiara-honina amin'ny vahoakany intsony" na "aoka hosarahinareo amin'ny vahoakany ...ireo olona ireo"
DH: "izay nataon'ny vahokaka teto mialohan'ny niavianareo"
Eto, ny "ireo" dia manondro ireo fomba maharikoriko"
1 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 2 "Miresaha amin'ny fiangonan'ny vahoakan'Israely manontolo ary lazao azy ireo hoe: 'Masìna ianareo, fa Izaho Yaveh Andriamanitrareo dia masina. 3 Aoka ny tsirairay hanaja ny reniny sy ny rainy, ary tandremo ny Sabatako, Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. 4 Aza miodina mankany amin'ny sampinareo zava-poana, na manao andriamanitra vy ho anareo. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. 5 Raha manatitra soron'ny fanati-pihavanana amin'i Yaveh ianareo, aoka ianareo hanatitra izany mba ho ekena. 6 Aoka ho hanina amin'ny andro hanateranareo azy izany, na amin'ny ampitson'iny. 7 Raha misy zavatra tsy lany mandra-pahatongan'ny andro fahatelo, dia aoka ho dorana izany. Maloto izany raha mbola hanina amin'ny andro fahatelo. Aoka tsy ho ekena izany, 8 fa ny tsirairay izay mihinana izany dia hitondra ny helony satria efa nanala baraka izay zava-masin'i Yaveh izy. Aoka ho esorina eo amin'ny vahoakany izany olona izany. 9 Raha mijinja ny vokatry ny taninareo ianareo, dia aoka ianareo tsy hijinja tanteraka ny zoron'ny sahanareo, na koa hanangona vokatrareo rehetra. 10 Aoka ianareo tsy hanangona ny voaloboka rehetra amin'ny tanim-boalobokareo, na hanangona ny voaloboka izay milatsaka amin'ny tany eo amin'ny tanim-boalobokareo. Aoka havelanareo izy ireny ho an'ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. 11 Aza mangalatra. Aza mandainga. Aza mifamitaka. 12 Aza mianiana lainga amin'ny Anarako na maniratsira ny Anaran'ny Andriamanitrareo. Izaho no Yaveh. 13 Aza mampahory ny mpiara-monina aminareo na mandroba azy. Aoka tsy hijanona miaraka aminareo amin'ny alina manontolo ka hatramin'ny maraina ny karaman'ny mpikarama. 14 Aza manozona ny marenina na mametraka sakana manafintohina eo anolohan'ny jamba. Fa kosa, aoka ianareo hatahotra ny Andriamanitrareo. Izaho no Yaveh. 15 Aza disoina ny fitsarana. Aza mizaha tavan'olona satria mahantra izy, ary aza mizaha tavan'olona satria olona ambony izy. Fa kosa, tsarao araka ny fahamarinana ny mpiara-monina aminareo. 16 Aza mivezivezy manaparitaka fosafosa eo amin'ny vahoakanareo, fa katsaho izay hiarovanareo ny ain'ny mpiray monina aminareo. Izaho no Yaveh. 17 Aza mankahala ny rahalahinareo amin'ny fonareo. Aoka ianareo hiteny mafy an-kitsi-po ny mpiray monina aminareo mba tsy hifampizaranareo ota noho ny aminy. 18 Aza mamaly faty na mitazona lolom-po amin'ireo vahoakanareo, fa kosa tiavo ny namanareo tahaka ny tenanareo. Izaho no Yaveh. 19 Tandremo ireo didiko. Aza manandrana mampanaraka ny bibinareo amin'ny karazam-biby hafa. Aza manakambana karazam-boa samihafa raha mamboly amin'ny tanim-boly. Aza mitondra akanjo natao tamin'ny akora roa karazana izay nampifangaroana. 20 Na iza na iza miara-mandry amin'ny andevo vavy izay voafofo ho vady, nefa tsy novidiam-panavotana na nomena ny fahafahana, dia aoka izy ireo hosaziana. Aoka tsy ho vonoina izy ireo satria tsy olona afaka izy. 21 Aoka hitondra ny fanatitra nohon'ny heloka ho an'i Yaveh eo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana ny lehilahy iray_ondry lahy iray ho fanatitra nohon'ny heloka. 22 Dia hanao fanavotana ho azy ny mpisorona miaraka amin'ilay ondry lahy ho fanatitra nohon'ny heloka eo anolohan'i Yaveh, nohon'ny ota izay nataony. Ary dia ho voavela ny fahotana vitany. 23 Raha tonga eo amin'ny tany ianareo ary mamboly ireo karazan-kazo fihinam-boa, dia aoka ianareo hamela ny voa izay vokarin'izy ireo mba ho voarara tsy ho hanina. Aoka ho voarara ny voa ho anareo mandritra ny telo taona. Aoka tsy hohanina izany. 24 Fa amin'ny taona fahefatra dia ho masina avokoa ny voa rehetra, ho fanati-piderana ho an'i Yaveh. 25 Amin'ny taona fahadimy dia afaka hihinana ny voa ianareo, satria niandry ianareo mba hafahan'ireo hazo mamokatra bebe kokoa. Izaho no Yaveh. 26 Aza mihinana hena raha mbola misy rà izany. Aza manontany ny fanahy momban'ny ho avy, ary aza mikatsaka ny hifehy ny hafa amin'ny hery mihoatry ny natoraly. 27 Aza manaraka ny fahazaran'ny mpanompo sampy tahaka ny fanaratana ny sisin'ny lohanareo na manongotra ny sisiny avy amin'ny volom-bavanareo. 28 Aza mandidy ny vatanareo ho an'ny maty na manisy marika tombokavatsa amin'ny tenanareo. Izaho no Yaveh. 29 Aza manala baraka ny zanakareo vavy amin'ny fanaovana azy ho mpijangajanga, fa ho lavo amin'ny fijangajangana ny firenena ary ho feno faharatsiana ny tany. 30 Aoka ianareo hitandrina ny Sabatako ary hanome voninahitra ny fitoerana masin'ny taberakeliko. Izaho no Yaveh. 31 Aza mihodina ho any amin'ireo izay miresaka amin'ny maty na amin'ny fanahy. Aza mitady azy ireo, fa raha tsy izany handoto anareo izy ireo. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. 32 Aoka ianareo hitsangana manoloana ny olona fotsy volo ary hanome voninahitra ny olona antitra. Aoka ianareo hatahotra ny Andriamanitrareo. Izaho no Yaveh. 33 Raha misy vahiny monina ao aminareo eo amin'ny taninareo, dia aoka ianareo tsy hanao ratsy azy. 34 Aoka ho tahaka ny tera-tany Israelita monina eo aminareo ireo vahiny izay monina miaraka aminareo, ary aoka ho tiavinareo tahaka ny tenanareo izy, satria efa mba vahiny ihany ianareo tany amin'ny tany Egypta. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. 35 Aza mampiasa fandrefesana diso raha mandrefy halavana, lanja, na habetsahana. 36 Aoka ianareo hampiasa mizàna marina, vato mizàna marina, efaha marina, ary hina marina. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo nivoaka ny tany Egypta. 37 Hankatoavy ireo didiko rehetra sy ny lalàko rehetra, ary hataovy ireny. Izaho no Yaveh.'"
"mitandrema ny Sabatako" na "hajao ny andro fitsaharana"
Ny fanompoana sampy dia resahina toy ny hoe mihodina manatona azy ireo ara-bakiteny. DH: "Aza manandrana manompo sampy zava-poana"
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka.
Ireo mety ho heviny dia 1) Hanaiky ny olona izay manatitra sorona i Yaveh. DH: "aoka ianao hanatitra izany araka ny tokony ho izy mba haeneko anao" na 2) Yaveh dia hanaikyny sorona avy amin'ny olona. DH: "aoka ianao hanolotra izany araka ny tokony ho izy mba hanekeko ny soronao"
DH: "aoka hohaninareo izany"
DH: "aoka hodoranareo izany"
DH: "raha mbola mihinana amin'izany ianareo"
Ny mihinana fanatitra aorian'ny fotoana voatondro dia fanoherana an'Andriamanitra sy mampitombo ny heloka izay rakofan'ilay sorona. DH: "Aoka tsy ho ekenao ho hanina izany"
Ny heloky ny olona iray dia resahina toy ny hoe zavatra mivaingana izay azon'ny olona entina. Eto, ny teny "heloka" di mampiseho ny fanasaziana ny amin'izany heloka izany. DH: "ny tsirairay ...dia tompon'andraikitra ny amin'ny helony ihany" na "Yaveh dia hanasazy ny tsirairay ...nohon'ny fahotany"
Ny olona izay voahiliky ny fiaraha-moniny dia resahina toy ny hoe nesorina teo amin'ny vahoakany, tahaka ny fandrovitana singan-damba iray na fanapahana rantsan-kazo iray hiala amin'ny vatan-kaz. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 7:19. DH: "izany olona izany dia tsy hiara-honina amin'ny vahoakany intsony" na "aoka hosarahinareo amin'ny vahoakany izany olona izany"
"rehefa manangona ny vokatrareo ianareo dia aza angoninana tanteraka ny mankeo amin'ny zoron'ny sahanareo"
Io dia manondro ny fiverenana eny amin'ny saha fanindroany mba hanangona ny vokatra izay mbola tavela taorian'ny fotoana voalohany. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia azo atao mazava. DH: "ary aza miverina maka ireo sisa izay navelao any intsony"
"Aza mampiasa ny Anarako mba hianianana mahakasika ny zavatra izay tsy marina akory"
Eto, ny "mpiara-monina" dia "na iza na iza." Ny dikan'io dia azo atao mazava. DH: "Aza mandratra na mandroba na iza na iza"
Yaveh dia mandidy ireo mpampiasa mba hanefa ny an'ireo mpanompo avy hatrany rehefa vita amin'izany andro izany ny asany. Ny dika fenon'io fanambarana io dia azo atao mazava.
Io fandavana roa ireo dia ampiasaina mba ho fanamafisana. Azo lazaina amin'ny fomba tsara izany. DH: "mitsarà ara-drariny lalandava"
Ny teny "mahantra" sy ny "ambony" dia fara-tampony anankiroa izay miara-midika hoe "na iza na iza." Azonao hazavain aio mba hanazavana ilay voambolana. DH: "Aoka ianao tsy hampiseho fizahan-tava na amin'iza na amin'iza miankina amin'ny hamaron'ny vola hananany"
"tsarao araka ny rariny ny tsirairay"
"Aza mandeha mifosafosa any amin'ny olona hafa"
Ny fankhalana hatrany ny olona iray dia resahin atoy ny hoe mankahala olona iray amin'ny fo. DH: "Aza mankahala mandrakariva ny rahalahinareo"
"Aoka ianareo hanitsy ny olona iray manota"
Yaveh dia manohy ny fitenenany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona.
DH: "akanjo izay namboarina tamin'ny fitaovana roa samihafa."
DH: "izay efa voafofo ny ho vadin'ny lehilahy hafa"
DH: "kanefa tsy novidiam-panavotana na nomena fahafahan ilay ho vadiny"
DH: "aoka ianareo hanasazy ilay andevo vavy sy ilay lehilahy izay nandry taminy"
DH: "Aoka tsy ho vonoinareo izy ireo"
"Aoka hisy lehilahy iray hitondra ondry lahy iray ho fanatitra nohon'ny heloka ho an'i Yaveh eo amin'ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana"
DH: "Yaveh dia hamela ny fahotana izay vitany"
Yaveh dia manohy ny fitenenany amin'i Mosesy sy Arona ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona.
Yaveh dia mamerimberina ny fandrarany mba hanamafisany izany sy hanazavany fa tsy atao maintsy izany amin'ny telo taona voalohany izay hamoazan'ilay hazo. Adikao io mba hanazavana ny fotoana tsy maintsy hamelàna irery ny hazo. DH: "ary aoka ianareo tsy hihinana ny voan'ny hazo mandritra ny telo taona voalohany"
DH: "Aoka ianareo hamela ny voa izay vokarin'izy ireo izay efa norarako tsy hohanina"
DH: "Efa norarako tsy ho anareo ny voa"
DH: "aoka tsy hihinana izany ianareo"
Eto, ny teny "firenena" sy ny "tany" dia mampiseho ny vahoaka izay monina ao. Ny olona maro manao fijangajangana sy asa ratsy hafa dia resahina toy ny hoe lavo na lasa feno ireo zavatra ireo. DH: "Ireo vahoaka dia hanao fijangajangana sy zava-dratsy maro"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny "maty" sy ny "fanahy" dia zavatra roa samy hafa na 2) ireo dia teny roa izay midika hoe "ny fanahin'ny olona maty" (UDB).
"Aza mitady ireo olona ireo. Raha manao izany ianareo, dia handoto anareo izy ireo"
Ny fitsanganana eo anoloan'ny olona iray dia mariky ny fanajana.
Io dia manondro ny olona izay efa niova ho volon-davenona nohon'ny fitombon'ny taona ny volony, na "olona antitra."
Io dia fandrarana ny fafaovana fanahiniana ny fampiasana fitaovana izay tsy manome refy araka ny tokony ho izy rehefa mandrefy zavatra.
Io dia famarana voa.
Io dia famarana ranon-javatra.
Ireo andian-teny roa ireo dia milaza zavatra mitovy ary manamafy ny didy fankatoavana.
1 Niresaka tamin'i Mosesy Yaveh, nanao hoe: 2 "Lazao amin'ny zanak'Israely hoe: 'Izay rehetra eo amin'ny zanak'Israely, na vahiny izay mitoetra any Israely ka manolotra ny zanany amin'i Moloka, dia aoka ho faty. Aoka hitora-bato azy ny olon'ny tany. 3 Hampifanandrina ny tavako amin'izany olona izany ihany koa Aho ary ho fongoriko eo amin'ireo olony izy satria efa natolony an'i Moloka ny zanany, mba handotoana ny toerako masina sy haniratsirana ny Anarako masina. 4 Raha manakipy ny masony amin'izany olona izany ny olon'ny tany rehefa manolotra ny zanany amin'i Moloka, raha tsy mamono azy izy ireo, 5 dia Izaho mihitsy no hampifanandrina ny tavako amin'izany olona izany sy ny fokony, dia hofongoriko izy sy ireo hafa rehetra izay mivarotra amin'ny tenany mba hijangajangana miaraka amin'i Moloka. 6 Ny olona izay mitodika amin'ireo izay miresaka amin'ny maty, na ireo izay miresaka amin'ny fanahy mba hivarotra ny tenany amin'izy ireo, dia hanandrina ny tavako amin'izany olona izany Aho; ho fongoriko eo amin'ny olony izy. 7 Noho izany hamafiso ny tenanareo ary aoka ho masina, satria Izaho ilay Yaveh Andrimanitrareo. [1]8 Aoka hitandrina ny didiko ianareo ary hanaraka ireo. Fa Izaho no Yaveh izay nanokana anareo ho masina. 9 Aoka ho faty tokoa izay rehetra manozona ny rainy na ny reniny. Efa nanozona ny rainy na reniny izy, ka meloka ary mendrika ho faty. 10 Ny lehilahy izay manitsakitsa-bady amin'ny vadin'olon-kafa, izany hoe, izay mijangajanga amin'ny sakaizam-badiny—aoka ilay mpijangajanga sy ilay nijangajangana samy ho faty tokoa. 11 Ny lehilahy izay miara-mandry amin'ny vadin-drainy mba handry aminy dia efa nanala baraka ny rainy. Aoka ho faty tokoa ny zanaka lahy sy ny vadin'ny rainy. Meloka izy ireo ary mendrika ny ho faty. 12 Raha misy lehilahy miara-mandry amin'ny vinanto vaviny, dia aoka samy ho faty tokoa izy roa. Efa nanao fahavetavetana izy ireo. Meloka izy ireo ary mendrika ny ho faty. 13 Raha misy lehilahy miara-mandry amin'ny lehilahy hafa, tahaka ny miaraka amin'ny vehivavy, dia samy efa nanao zavatra marikoriko izy ireo. Aoka ho faty tokoa izy ireo. Meloka izy ireo ary mendrika ny ho faty. 14 Raha misy lehilahy manambady vehivavy ary manambady ny reniny ihany koa, dia faharatsiana izany. Aoka ho dorana izy ireo, izy sy ilay vehivavy, mba tsy hisy faharatsiana eo aminareo. 15 Raha misy olona miara-mandry amin'ny biby, dia aoka ho faty tokoa izy, ary aoka ianareo hamono ilay biby. 16 Raha misy vehivavy manatona biby mba hiara-mandry amin'izany, dia aoka hamono ilay vehivavy sy ilay biby ianareo. Aoka ho faty tokoa izy ireo. Meloka sy mendrika ho faty izy ireo. 17 Raha misy lehilahy miara-mandry amin'ny anabaviny, na koa amin'ny zanaka vavin'ny rainy na ny zanaka vavin'ny reniny—raha miara-mandry aminy izy ary izy miaraka aminy, dia zavatra mahamenatra izany. Aoka hofongorana eo amin'ny fanatrehan'ny olony izy ireo, satria niara-nandry tamin'ny anabaviny. Dia hibaby ny helony izy. 18 Raha misy lehilahy miara-mandry amin'ny vehivavy mandritra ny fadimbolany ary efa niara-mandry taminy, dia efa nampiseho ny rà nikorina taminy, ny nipoiran'ny ràny izy. Dia aoka samy hofongorana tsy ho eo amin'ny olony izy roa. 19 Aoka tsy hiara-mandry amin'ny rahavavin-dreninao ianao, na amin'ny anabavin-drainao, satria hanala baraka ny havanao hakaiky anao ianao. Tsy maintsy hibaby ny helokao ianao. 20 Raha misy lehilahy miara-mandry amin'ny nenitoany, dia nanala baraka ny dadatoany izy. Rehefa maty izy ireo, dia samy ho saziako, ary rehefa maty izy ireo, dia hohalaiko ny lovan'ny zanak'izy ireo izay mety ho azony avy amin'ireo ray aman-dreniny. 21 Raha misy lehilahy manambady ny vadin-drahalahiny raha mbola velona ny rahalahiny, dia fahafaham-baraka, izany. Efa nanala baraka ny rahalahiny izy, ary hohalaiko amin'ny zanany ny fananana rehetra mety efa nolovan'izy ireo avy amin'ireo ray aman-dreniny. 22 Koa aoka ianareo hitandrina ny didy aman-dalako rehetra; aoka hankatò izany ianareo mba tsy handoa anareo ny tany izay hitondrako anareo mba honenanareo. 23 Aoka tsy handeha amin'ny fomban'ireo firenena izay horoahiko tsy eo alohanareo ianareo, satria efa nanao izany zavatra rehetra izany izy ireo, ary halako ireo. 24 Hoy Aho aminareo hoe: "Handova ny tanin'izy ireo ianareo; hanome izany ho fananana ho anareo Aho, tany tondra -dronono sy ny tantely. Izaho ilay Yaveh Andriamanitrareo, izay efa nanavaka anareo tamin'ireo olon-kafa. 25 Noho izany aoka ianareo hanavaka ny biby madio sy ny maloto, ny voro-manidina maloto sy madio. Aoka ianareo tsy handoto ny tenanareo amin'ireo biby maloto na ireo voro-manidina na amin'ny zava-manan'aina rehetra izay mandady amin'ny tany, izay efa navahako ho maloto taminareo. 26 Aoka ho masina ianareo, fa Izaho, Yaveh, dia masina, ary efa nanavaka anareo tamin'ireo olon-kafa Aho, satria Ahy ianareo. 27 Aoka ho faty tokoa ny lehilahy na ny vehivavy izay miresaka amin'ny faty na miresaka amin'ireo fanahy. Aoka hitora-bato azy ireo ny olona. Meloka izy ireo ary mendrika ny ho faty."'
Ireo izay manompo an'i Moloka amin'ny fanaovan-tsorona ny zanany amin'ny alalan'ny afo. Ny dika fenon'io fan,ambarana io dia azo atao mazava. DH: "mamono ny zanany ho sorona ho an'i Moloka"
DH: "Ny aoka hitora-bato hahafaty azy ny mponin'ny tany"
Ny andian-teny "hampifanandrina ny tavako" dia fomba fiteny izay midika hoe "handà" na "hanohitra mafy." DH: "Handà azy ihany koa Aho" na "hanohitra azy ihany koa Aho"
"efa nataony sorona ny zanany"
"ary amin'ny fanaovana izany no handotoany ny toerana masiko sy haniratsirany ny Anarako masina"
Ny anaran'Andriamanitra dia mampiseho ny lazan'Andriamanitra. DH: "manetry ny lazako" na "manetry Ahy"
Ny andian-teny "manakipy ny masony" dia midika hoe "tsy mijery" ary mampiseho ny tsy fahafahan'izy ireo mahatakatra. DH: "tsy miraharaha" na "tsy mahalala" (UDB)
Io dia mampitaha ireo izay tsy mahatoky amin'i Yaveh sy ireo izay mijangajanga. Dh: "izay tsy mahatoky amin'i Yaveh"
Io dia mampitaha ny olona tsy mahatoky amin'ny mpijangajanga. DH: "amin'ny fanaovana izany no hikatsahan'izy ireo torohevitra avy amin'ny fanahy raha tokony ho avy Amiko"
"handà na "hanohitra mafy". Jero ny nandikanao azy ao amin'ny 20:3.
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona.
Ny teny "hitandrina" sy ny "hanaraka" dia mitovy ny heviny amin'ny ankapobeny. Izy ireo dia ampiasaina miaraka mba hanamafisana fa ny vahoaka dia tsy maintsy manakatò an'Andriamanitra.
DH: "Aoka ho vonoinao tokoa izy ireo"
Ny dika fenon'io fanambarana io dia zo atao mazava. DH: "Ny lehilahy izay nijangajanga tamin'ny vadin'olon-kafa"
Dh: "Aoka samy ho vonoinao tokoa izy roa"
Io dia fomba mihaja entina hilazana firaisany ara-nofo amin'ny vadin-drainy. Ny iteny sasany dia mampiasa teny mivanatana kokoa toy ny "miray ara-nofo amin'ny vadin-drainy."
Eto, ny lehilahy niray ara-nofo tamin'ny vadin'ny zanany lahy dia antsoin'Andriamanitra hoe "fahavetavetana" , fahotana mahafaty. Jereo ny nandikanao ny "fahavetavetana" ao amin'ny 18:22.
Io dia fomba mihaja entina hilazana fa niray ara-nofo tamin'ny lehilahy hafa izy. Ny fiteny sasany dia mampiasa andian-teny mivantana kokoa toy ny hoe "lehilahy izay niray ara-nofo tamin'ny lehilahy hafa."
Ny fomba hanaovany ilay lehilahy dia tahaka ny nanaovany ny vehivavy. DH: "tahaka ny hanaovany ny vehivavy"
"zavatra mahamenatra" na "zavatra mahatsiravina"
DH: "Aoka ho vonoinao tokoa izy ireo"
DH: "Aoka ho doranao ho faty tokoa na ilay lehilahy na ilay vehivavy"
DH: "Aoka ho vonoinao tokoa izy "
Ireo fehezanteny ireo dia mitovy ny heviny amin'ny ankapobeny. Ireo dia manamafy fa ilay vehivavy sy ilay biby dia tsy maintsy vonoina.
DH: "Aoka ho vonoinao tokoa izy ireo"
Io dia fomba mihaja entina hilazana fa niray ara-nofo tamin'ny anabaviny izy. Ny fiteny sasany dia mampisa andian-teny mivantana kokoa toy ny hoe "lehilahy niray tamin'ny anabaviny."
Io dia midika fa ny lehilahy dia tsy mahazo miara-mandry amin'ny anabaviny, na dia samihafa reny na samihafa ray aza izy ireo. Ny dika fenon'io dia azo atao mazava. Dh: "na tena anabaviny izany na zanaka vavin'ny rainy na reniny"
Ny olona voahilika tao amin'ny fiaraha-monina dia resahina toy ny hoe efa voaroaka tsy ho eo amin'ny olony, tahaka ny olona iray mandrovitra singan-damba na manapaka rantsana avy amin'ny hazo iray. Jereo ny nandikanao io hevitra io amin'ny 7:19. DH: "izany olona izany dia tsy honina miaraka amin'ny vahoakany intsony" na "aoka hosarahinao amin'ny vahoakany izany olona izany"
Io andian-teny io dia midika fa ny olona dia tompon'andraikitry ny helony. DH: "Tompon'andraikitry ny helony izy" na "Aoka hosazianao izy"
Ny fotoana izay mampisy rà mivoaka avy an-kibon'ny vehivavy.
Io andian-teny io dia mampitaha ny firaisana ara-nofo amin'ny vehivavy mandritra ny fadimbolany mba hanesorana ny saron'ny zavatra izay tokony hafenina. Ny antony mahattonga izany ho mahamenatra dia azo lazaina mazava. DH: "efa nanao zavatra mahamenatra tamin'ny alalan'ny fanehoana ny fandehanan'ny ràny izy"
Io dia azo lazaina mazava ny antony tsy maintsy anaovana izany. DH: "Satria efa nanao izany zava-mahamenantra izany izy ireo, ka na ilay lehilahy na ilay vehivavy dia aoka samhy ho vonoina"
Io dia fomba mihaja entina hilazana fa izy dia niray ara-nofo tamin'ny nenitoany. Ny fiteny sasany dia mampiasa andian-teny mivantana kokoa toy ny hoe "niray ara-nofo tamin'ny"
Ny fomba fiteny "mibaby ny helokao" dia midika hoe "tompon'antoka ny amin'ny helokao ianao." DH: "tompon'antoka ny amin'ny helokao ianao" na "hanasaazy anao Aho"
Ny fandikana Baiboly maro no manao izany ho "ho faty tsy amin-janaka izy ireo."
Io andian-teny io dia manoritsoritra ny tany ho toy ny olona mandoa izay mandà sakafo ratsy. Raha tokony handoa sakafo ratsy, ilay tany dia mandà ireo vahoaka sy manaisotra azy ireo. Jereo ny nandikanao io sarin-teny io ao amin'ny 18:24. DH: "mba tsy handoa anareo ny tany izay hitondrako anareo"
Ny fanaovana fanompoan-tsampy dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lalan'izy ireo. DH: "aoka ianareo tsy hanaraka"
"esoriko"
Ny andian-teny "tondra -dronono sy ny tantely" dia midika hoe "izay manan-karena sy mamokatra sakafo ampy ho an'ny tsirairay." DH: "tany izay tena tsara ho an'ny biby fiompy sy ny fambolena" na "tany mamokatra"
"efa nanavaka anareo Aho" na "efa nanokana anareo Aho"
"mikasa ny hifandray amin'ny"
DH: "Aoka ho faty tokoa izy ireo"
1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Miresaha amin'ireo mpisorona, ireo zanaka lahin'i Arona, ary lazao izy ireo hoe: 'Aoka tsy hisy na iray aminareo ka handoto ny tenany ho nohon'ny amin'ireo izay maty eo amin'ny olony, 2 afa-tsy ireo havany akaiky azy—ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny rahalahiny, 3 na ny anabaviny virjiny izay miantehitra aminy, ambara-pananany vady—fa mety handoto ny tenany nohony aminy izy. 4 Saingy aoka tsy handoto ny tenany amin'ny olon-kafa izy ka handoto ny tenany. 5 Aoka ireo mpisorona tsy hanaratra ny lohany na hanaratra ireo sisin'ny volom-bavany, na hitetika ny tenany. 6 Aoka ho masina amin'ny Andriamaniny izy ireo ary tsy hanimbazimba ny anaran'Andriamaniny, satria ny mpisorona no manome ny fanatitra hohanina ho an'i Yaveh, ny mofon'ny Andriamanitr'izy ireo. Noho izany aoka ho masina ireo mpisorona. 7 Aoka izy ireo tsy hanambady ny vehivavy izay mpivaro-tena sy maloto, ary aoka tsy hanambady vehivavy nisara-bady izy ireo, satria izy ireo dia voatokana ho an'ny Andriamanitr'izy ireo. 8 Hatokanareo izy, satria izy ilay manolotra mofo ho an'Andriamanitrareo. Aoka ho masina aminareo izy, satria Izaho, Yaveh izay manamasina anareo, dia masina. 9 Ny zanaka vavin'ny mpisorona izay mandoto ny tenany amin'ny fahalasanana ho mpivaro-tena manalabaraka ny rainy. Dia aoka ho dorana izy. 10 Izay mpisoronabe eo amin'ireo rahalahiny, izay efa nandrarahana diloilo fanosorana teo amin'ny lohany, ary izay efa nohamasinina hitafy ny akanjo voatokana ho an'ny mpisoronabe, dia aoka tsy hampisarakorako ny volony na handrovitra ny akanjony. 11 Aoka tsy handeha eny amin'izay misy fatin'olona izy ka handoto ny tenany, na ny rainy na ny reniny aza. 12 Aoka ny mpisoronabe tsy handao ny faritry ny fitoerana masin'ny tabernakely na hanimbazimba ny fitoerana masin'ny Andriamaniny, satria efa nohamasinina ho mpisoronabe tamin'ny alalan'ny fanosorana ny diloilon'ny Andriamaniny izy. Izaho no Yaveh. 13 Aoka ny mpisoronabe haka vady virijiny. 14 Aoka izy tsy hanambady mpitondratena, vehivavy nisara-bady, na vehivavy mpivaro-tena. Tsy hanambady izany karazam-behivavy izany izy. Virijiny avy amin'ny olony ihany no azony vadiany, 15 ka tsy handotoany ny zanany eo amin'ny vahoakany, satria Izaho no Yaveh, ilay nanamasina azy."' 16 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy, nanao hoe: 17 "Miresaha amin'i Arona ary lazao azy hoe: 'Izay rehetra manana kilema ara-batana amin'ny taranakareo sy ny fara mandimbin'izy ireo, dia aoka izy tsy hanatona ka hanolotra hanina ho an'ny Andriamaniny. 18 Aoka tsy hanatona an'i Yaveh ny olona rehetra izay manana kilema ara-batana, toy ny olona jamba na olona tsy afa-mandeha, izay simba tarehy na sembana, 19 ny olona izay manan-takaitra ny tanana na ny tongotra, 20 ny olona izay misy vokoka ao an-damosiny na kaozatina na fohy, na olona misy takaitra ny masony, na misy aretina, na areti-maso, lagaly, na izay vihy efa torotoro. 21 Tsy misy olona eo amin'ny taranak'i Arona mpisorona manana kilema ara-batana ka hanakaiky mba hanatanteraka ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Yaveh. Ny olona manana kilema ara-batana toy izany; dia aoka izy tsy hanakaiky ka hanolotra mofo ho an'ny Andriamaniny. 22 Afaka mihinana ny sakafon'ny Andriamaniny izy, na ny sasany amin'ireo masina indrindra na sasany amin'ireo masina. 23 Na izany aza, aoka tsy hiditra anatin'ny lamba fanakonana na hanakaiky ny alitara izy, satria manan-kilema ara-batana izy, mba tsy mandoto ny toerako masina, satria izaho no Yaveh, izay manamasina ireo."' 24 Ka noresahin'i Mosesy tamin'i Arona avokoa ireo teny ireo, tamin'ireo zanaka lahiny, sy ireo zanak'Israely rehetra.
Ny olona izay tsy eken'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
"eo amin'ireo Israelita"
Io dia azo adika ho "zatovovavy" ihany koa.
"manodididina" (UDB)
"Aoka izy ireo ho voatokana"
Ny teny "anarana" dia ampiasaina mba ahanehoana ny toetran'i Yaveh. DH: "tsy hanala baraka ny lazan'Andriamanitra" na "tsy hanala baraka ny Andriamaniny"
Eto, ny "mofo" dia mampiseho ny sakafo amin'ny ankapobeny. Yaveh dia tsy tena mihinana ireo fanatitra ireo. Izany dia fahadiovam-pon'ireo izay manatitra sakafo izay mahafapo an'Andriamanitra.
"Aoka ireo mpisorona"
"satria izy ireo dia natokana" (UDB)
"Ianareo vahoaka dia aoka hitondra azy ho masina"
Eto, ny "mofo" dia mampiseho ny sakafo amin'ny ankapobeny. Yaveh dia tsy tena mihinana ireo fanatitra ireo. Adikao amin'ny fomba izay mampazava fa Andriamanitra dia tsy tena mihinana ilay sakafo io.
DH: "Aoka hihevitra azy ho masina ianareo"
DH: "Aoka ho doranareo ho faty izy"
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ireo mpisorona.
Io dia famantarana fa ilay diloilo dia ampiasaina amin'ny lanonana fanamasinana ny mpisoronabe. Ny dika fenon'io fanambarana io dia azo atao mazava.
DH: "Izay efa nadrarahan'izy ireo diloilo fanosorana ny lohany ary efa nohamasinina"
Ny fisarakorakoam-bolo sy ny fandrovitana akanjo dia mariky ny fisaonana. Ny dika fenon'io fanambarana io dia azo atao mazava.
Io dia tsy midika fa tsy mahazo miala mihitsy ilay mpisoronabe. Fa kosa, Andriamanitra dia tsy mamela azy handeha mba hisaona ho eo amin'ny olona maty.
"avy amin'ny fokony ihany, dia ny fokon'i Levy"
Ny mpisoronabe dia tsy hanana zanaka mendrika ny ho mpisorona raha manambady vehivavy tsy manaja izay masina na ratsy fanahy.
Ny dika fenon'io fanambarana io dia azo atao mazava. DH: " Aoka izy tsy ho avy ka handoro ny fanatitra sakafo eo amin'ny alitaran'Andriamanitra"
Ny mpisorona dia tsy maintsy manana fenitra ara-batana mba hanakaikezana an'i Yaveh. Io dia tsy midika fa ny kilema ara-batana dia vokatry ny fitondran-tena maloto na ny olona rehetra izay manan-kilema ara-batana dia tsy afaka manatona an'Andriamanitra.
"izay manana fahasembanana amin'ny vatana na tava"
Eto, ny "mofo" dia mampiseho ny sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "mba hanao fanatitra sakafo dorana eo amin'ny alitaran'Andriamanitra"
Eto ny "izy" dia manondro ilay mpisorona manana kilema ara-batana.
"mihinana ny fanatitra sakafo ho an'ny Andriamaniny." Anjara sorona izay an'ireo mpisorona ary azo hanina.
Io dia manondro ny sakafo izay natao sorona. Ny dika fenon'io fanambarana io dia azo atao mazava. DH: "ny sasany amin'ny sorona izay natolotra teo amin'ny toerana masina indrindra na ny sasany tamin'ny sorona izay natolotra teo amin'ny toerana masina"
"tamin'ny zanaka lahin'i Arona"
1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy, nanao hoe: 2 "Miresaha amin'i Arona sy ireo zanany lahy, lazao izy ireo mba hitandrina ireo zavatra masin'ireo zanak'Israely, fa voatokana ho Ahy ireo. Aoka tsy hanimbazimba ny Anarako masina izy ireo. Izaho no Yaveh. 3 Lazao azy ireo hoe: 'Raha misy amin'ireo taranakareo amin'ny fara aman-dimbinareo manakaiky ireo zavatra masina izay efa voatokan'ny zanak'Israely ho an'i Yaveh, kanefa maloto izy, dia aoka ho fongorina eo anatrehako izany olona izany: Izaho no Yaveh. 4 Tsy misy amin'ireo taranak'i Arona izay manana areti-koditra mifindra, na aretina mikoriana amin'ny ràny tsy an-kijanona avy amin'ny vatany, ka afaka hihinana ny sorona natao ho an'i Yaveh ambara-pahadio azy. Izay rehetra mikasika ny zavatra maloto na mifandray amin'ny maty, na amin'ny fifandraisana amin'ny lehilahy izay mandeha tsirinaina tsy an-kijanona, 5 na ireo rehetra mikasika ny biby mikisaka rehetra izay mampaloto azy, na ny olona izay mampaloto azy, na karazana loto inona izany na inona— 6 ka ny mpisorona izay mikasika ny zavatra maloto rehetra dia haloto mandra-pahariva ny andro. Aoka tsy hihinana ny amin'ireo zavatra masina rehetra izy, raha tsy efa nampandro ny tenany tamin'ny rano. 7 Rehefa milentika ny masoandro dia hadio izy. Aorian'ny filetehan'ny masoandro izy no afaka hihinana amin'ireo zavatra masina, satria sakafony ireo. 8 Aoka izy tsy hihinana ireo zavatra hitany maty na novonoin'ny bibi-dia, izay handotoany ny tenany. Izaho no Yaveh. 9 Aoka ny mpisorona hanaraka ireo fampianarako, fandrao ho meloka amin'ny ota izy ireo ka ho faty amin'ny fanimbazimbana Ahy. Izaho no Yaveh izay nanamasina ireo. 10 Tsy misy olona ivelan'ny fianakavian'ny mpisorona, isan'izany ny vahinin'ny mpisorona na ireo mpanompony mpikarama, afaka hihinana ny zava-masina rehetra. 11 Saingy raha mividy andevo amin'ny volany manokana ny mpisorona, izany andevo izany dia afaka hihinana amin'ireo zavatra izay voatokana ho an'i Yaveh. Ny fikambanan'ny fianakavian'ny mpisorona sy ireo andevo teraka tao an-tranony, izy ireo ihany koa dia afaka hihinana ireo zavatra ireo miaraka aminy. 12 Raha ny zanaka vavin'ny mpisorona no manambady olona izay tsy mpisorona, dia tsy afaka ny hihinana amin'ireo anjara fanatitra masina izy. 13 Fa raha mpitondratena ny zanaka vavin'ny mpisorona, na nisara-bady, ary raha tsy manan-janaka izy, ka miverina mitoetra amin'ny tranon-drainy toy ny tamin'ny fahazazany, dia afaka hihinana ny sakafon-drainy. Fa tsy misy olona izay tsy ao anatin'ny fianakavian'ny mpisorona afaka hihinana amin'ny sakafon'ny mpisorona. 14 Raha misy olona mihinana tsy nahy ny sakafo masina, dia aoka izy hanonitra izany amin'ny mpisorona; aoka izy hanampy iray ampahadimin'izany ary hamerina izany any amin'ny mpisorona. 15 Aoka ny zanak'Israely tsy hametaveta ny zavatra masina izay efa nasandratra ambony sy natolotra ho an'i Yaveh, 16 ary tsy hampitondra ny tenan'izy ireo ny fahotana izay manameloka azy ireo amin'ny fihinanana ny sakafo masina, fa Izaho no Yaveh izay manamasina ireo."' 17 Hoy i Yaveh tamin'i Mosesy, nanao hoe: 18 "Miresaha amin'i Arona sy ireo zanany lahy, ary amin'ireo zanak'Israely rehetra. Lazao azy ireo hoe: 'Ny Israelita rehetra, na vahiny mitoetra ao Israely, rehefa manolotra sorona izy ireo__na hanatanteraka voady izany, na fanatitra antsitra-po, na hatolotr'izy ireo amin'i Yaveh ny fanatitra dorana, 19 raha ho ankasitrahana izany, dia aoka izy ireo hanolotra biby fiompy lahy tsy misy kilema, ondry, na osy. 20 Nefa aoka ianareo tsy hanolotra izay manan-kilema. Tsy hankasitraka izany eo aminareo Aho. 21 Izay rehetra manolotra fanatim-pihavanana avy amin'ny omby na ny ondry ho an'i Yaveh mba hanatanterahana voady, na fanatitra antsitra-po, dia tsy tokony ho kilemaina izany mba ho ankasitrahana. Aoka tsy hisy biby manan-kilema. 22 Aoka tsy hanolotra biby jamba, sembana, na kilemaina, na izay misy fahabokana, marary, na ferena ianareo. Aoka tsy hanolotra ireo amin'i Yaveh ho sorona avy tamin'ny afo eo amin'ny alitara ianareo. 23 Afaka manolotra omby iray na zanak'ondry izay sampona na kely ho fanatitra antsitra-po ianareo, nefa ny fanatitra tahaka izany dia tsy ho ankasitrahana ho an'ny voady. 24 Aza manolotra biby izay efa voatorotoro, potipotika, rovidrovitra, na vositra ho an'i Yaveh. Aza manao izany ao amin'ny taninareo. 25 Aoka ianareo tsy hanolotra ny mofon'ny Andriamanitrareo avy amin'ny tanan'ny vahiny. Ireo biby ireo dia sampona ary manan-kilema, tsy ho ankasitrahana ho anareo ireo."' 26 Niresaka tamin'i Mosesy Yaveh ary nanao hoe: 27 "Rehefa teraka ny omby na ny ondry na ny osy, dia tsy maintsy mijanona hafitoana miaraka amin'ny reniny izany. Ary manomboka amin'ny andro fahavalo, dia azo ankasitrahana ho fanatitra natao amin'ny afo ho an'i Yaveh izany. 28 Aza mamono omby vavy na ondry vavy miaraka amin'ny zanany, ao anatin'ny iray andro. 29 Rehefa manao sorona fanati-pisaorana ho an'i Yaveh ianareo, dia aoka hanao sorona izany amin'ny fomba azo ekena. 30 Aoka hohanina amin'ny andro izay nanaovana sorona azy izany. Aoka tsy hisy avelanareo ho tra-maraina izany. Izaho no Yaveh. 31 Koa aoka hitandrina ny didiko sy hanatanteraka ireo ianareo. Izaho no Yaveh. 32 Aoka tsy hanamavo ny Anarako masina ianareo. Aoka ho ekena ho masina amin'ny alalan'ny zanak'Israely Aho. Izaho no Yaveh izay nanamasina anareo, 33 izay nitondra anareo nivoaka avy tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Yaveh."
"teneno izy ireo rehefa tsy tokony hanatona ny zavatra masina." Yaveh dia efa mby eo amin'ny fanoritsoritana ny fotoana mampaloto ny mpisorona iray ary tsy hamelàna azy hikasika ny zavatra masina.
Ny teny "manimbazimba" eto dia midika ho manetry. Ny teny "Anarana" dia mampiseho ny toetran'i Yaveh. DH: "manetry ny lazako" na "manetry Ahy"
"manomboka izao"
Ny olona izay tsy eken'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
Ny mpisorona iray tsy afaka manompo an'Andriamanitra intony dia resahina toy ny hoe nesorian teo amin'ny fanatrehan'i Yaveh izany olona izany, tahaka ny fandrovitan'ny olona iray singan-damba na rantsan-kazo avy amin'ny hazo iray. DH: "Izany olona izany dia tsy afaka ny hanompo amin'ny maha-mpisorona azy intsony"
Aretina amin'ny hoditra izay mora mifindra amin'ny olon-kafa.
"fitsihan'ny vatana"
Io dia fomba mihaja entina hilazana ny faritra saropadin'ny lehilahy. Jereo ny nandikanao ny andian-teny mitovy aminy ao amin'ny 15:1. DH: "avy amin'ny faritra saropadiny"
Ny zavatra izay lazain'i Yaveh ho tsy mendrika ny ho kasihana na hanina dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
"amin'ny alalan'ny fikasihana faty"
DH: "ny sorona izay natolotry ny olona hafa ho an'i Yaveh"
DH: "na izay rehetra maloto tamin'ny fikasihana biby mikisaka na tamin'ny fikasihana olona maloto hafa"
Ny olona izay tsy eken'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny.
"mandra-pilentiky ny masoandro"
"dia hoheverina ho madio ilay mpisorona." Ny olona izay eken'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
DH: "izay novonoin'ny olona na novonoin'ny bibi-dia"
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'i Arona sy ireo zanany lahy i Yaveh.
Ny teny "anjara" dia azo atao matoanteny. DH: "ny fanatitra masina izay nifandrimbonan'ny olona"
iray ampahadimy - Ireo mety ho heviny dia 1) ilay olona dia tsy maintsy manolo ilay sakafo izay nohaniny niaraka tamin'ny sakafo nitovy karazana tamin'izany na 2) ilay olona dia tsy maintsy manefa vola amin'ilay mpisorona nohon'ny sakafo izay nohaniny.
Io dia ampahany iray amin'ny iray zaraina dimy mitovy.
DH: "aoka hitondra ny zavatra masina amim-boninahitra"
Ny andian-teny "nasandratra ambony" dia manondro ny fihetsika famantarana ny fanajana izay mampiseho ny fanolorana zavatra an'i Yaveh. Izany dia mitovy hevitra amin'ny "manolotra" amin'ny ankapobeny. DH: "izay efa natolotr'izy ireo"
Ny heloka dia resahina toy ny hoe vaingan-javatra izay azo entina. Ireo mety ho heviny dia 1) ho tompon'andraikitra ny amin'ny heloka ary ho lasa meloka izy ireo. DH: "ho meloka nohon'ny heloka izay nataony izy ireo" na 2) ny teny "heloka" dia sarin-tenin'ny famaizana nohon'ny heloka izay vitan'izy ireo. DH: "hahazo famaizana izy ireo satria meloka"
"hafa firenena"
DH: "raha hanaiky hoheken'i Yaveh izany" na "raha Izaho, Yaveh, no hanaiky izany"
DH: "mba ho ekeko izany" na "mba haneken'Yaveh izany"
Ireo teny ireo dia manondro kilema vokatry ny loza tsy nampoizina.
Ireo dia manondro karazan'aretin-koditra.
DH: "tsy hanaiky izany Aho" na "tsy hanaiky izany i Yaveh"
Ireo teny ireo dia manondro kilema nananan'ny biby hatrany am-bohoka.
Eto, ny "mofo" dia mampiseho ny sakafo amin'ny ankapobeny. Andriamanitra dia tsy tena mihinana ilay sorona. Ireo mpisorona no hanolotra ilay sorona eo amin'ny alitaran'Andriamanitra, ary hihinana ny sasany amin'ny hena izy ireo. DH: "aoka tsy hanolotra biby ho fanatitra sakafo ho an'ny Andriamanitrareo
Ny teny "tanana" dia mampiseho ilay olona iray manontolo. Izany dia midika fa ireo Israely dia tsy mahazo manao fanatitra biby ho sorona ho an'Andriamanitra raha toa ka avy tamin'ny vahiny no nitondran'izy ireo izany, satria ny vahiny dia mamositra ny bibin'izy ireo mba tsy ho eken'Andriamanitra. DH: "izay nomen'ny vahiny anareo, satria izy ireo dia mamositra ny bibin'izy ireo"
DH: "Yaveh dia tsy hanaiky an'ireo ho anareo"
DH: "azonao ekena izany"
DH: "ho fanatitra dorana"
DH: "Aoka hohaninareo izany"
DH: "izay nanaovanareo sorona izany"
Ny teny "hitandrina" sy ny "hanatanteraka" dia mitovy ny heviny amin'ny ankapobeny. Ireo dia manamafy fa ireo vahoaka dia tsy maintsy mankatò ny didin'Andriamanitra"
Eto, ny teny "anarana" dia mampiseho ny tenan'i Yaveh sy ny lazany. DH: "Aoka ianreo tsy hanetry Ahy" na "aoka ianareo tsy hanetry ny lazako masina"
DH: "Ny vahoakan'Israely dia tsy maintsy manaiky Ahy ho masina"
1 Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: 2 "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely, ary milazà amin'izy ireo hoe: 'Ireto avy ireo firavoravoana voatendry ho an'i Yaveh, izay tsy maintsy ambaranareo ho fiombonana masina; ireo no firavoravoako mahazatra. 3 Afaka miasa mandritra ny enina andro ianareo, fa ny andro fahafito dia Sabata fitsaharana tanteraka, fiombonana masina. Aoka ianareo tsy hiasa satria Sabata ho an'i Yaveh amin'ny toerana rehetra izay honenanareo izany. 4 Ireto avy ireo firavoravoana voatendrin'i Yaveh, dia ireo fiombonana masina izay tsy maintsy lazainareo amin'ny fotoany voatondro: 5 Amin'ny volana voalohany, amin'ny andro fahaefatry ny volana amin'ny takariva, no Paskan'i Yaveh. 6 Amin'ny andro faha-dimy ambin'ny folon'io volana io ihany ny Firavoravoan'ny Mofo tsy Misy Masirasira ho an'i Yaveh. Mandritra ny fito andro ianareo dia tsy maintsy mihinana mofo tsy misy masirasira. 7 Ny andro voalohany dia tsy maintsy atokanareo mba hiangonana miaraka; tsy hanao ireo asa mahazatra anareo ianareo. 8 Hanolotra fanatitra hohanina ho an'i Yaveh ianareo mandritra ny fito andro. Ny andro fahafito dia fiombonana natokana ho an'i Yaveh, ary amin'io andro io ianareo dia aoka tsy hanao ny asa mahazatra."' 9 Yaveh niteny tamin'i Mosesy, nanao hoe: 10 "Miresaha amin'ny olon'Israely ary milazà amin'izy ireo hoe: 'Rehefa tonga ao amin'ny tany izy homeko anareo ianareo, ary rehefa mijinja ireo vokatr'izany ianareo, dia tsy maintsy mitondra ny amboaran'ny voaloham-bokatr'izany ho an'ny mpisorona. 11 Hanandratra ny amboara eo anatrehan'i Yaveh izy ary hanolotra izany ho Azy, fa ho ankasitrahana eo aminareo izany. Amin'ny andro aorian'ny Sabata no hanandratan'ny mpisorona izany sy hanolorany izany ho Ahy. 12 Amin'ny andro izay hanandratanareo ny amboara sy hanolorana izany ho Ahy, dia tsy maintsy manolotra zanak'ondry lahy iray herintaona sy tsy misy kilema ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh ianareo. 13 Ny fanatitra voa dia tsy maintsy koba manify roa ampahafolon'ny efaha miaro menaka, fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, mba hamoaka hanitra ankasitrahana, ary divay fanatitra sotroina, iray ampahefatry ny hina miaraka amin'izany. 14 Aoka ianareo tsy hihinana mofo, na vary nendasina na tsotra, mandra-pahatongan'ny andro nitondranareo io fanatitra io ho an'ny Andriamanitrareo. Ho lalàna raikitra amin'ny taranak'ireo vahoakanareo, amin'ny toerana rehetra honenanareo izany. 15 Manomboka amin'ny andro aorian'ny Sabata—izay andro nitondranareo ny amboaran'ny fanatitra ahevaheva—dia manisà fito herinandro feno. 16 Hanisa dimampolo andro, izay ho andro aorian'ny Sabata fahafito ianareo. Avy eo dia tsy maintsy hanolotra fanatitra vary vaovao ho an'i Yaveh. 17 Tsy maintsy hitondra mofo roa natao tamin'ny roa ampahafolon'ny efaha avy any an-tranonareo ianareo. Aoka ho vita amin'ny koba tsara toto sy mofo misy lalivay ireo; ho fanatitra voaloham-bokatra ahevaheva ho an'i Yaveh ireo. 18 Tsy maintsy atolotrareo miaraka amin'ny mofo ireo zanak'ondry lahy fito herintaona sy tsy misy kilema, vantotr'ombilahy iray, ary ondrilahy roa. Tsy maintsy atao fanatitra dorana ho an'i Yaveh, miaraka amin'ny fanatitra voan'izy ireo sy ny fanatiny sotroina ireo, fanatitra izay natao tamin'ny afo ka mamoaka hanitra ankasitrahana ho an'i Yaveh. 19 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho an'ny fanatitry ny heloka ianareo, ary zanak'ondrilahy roa herintaona ho an'ny sorona, ho fanati-pihavanana. 20 Ny mpisorona dia tsy maintsy manevaheva ireo miaraka amin'ny mofon'ireo voaloham-bokatra eo anatrehan'i Yaveh, ary manolotra azy ireo ho Azy mba ho fanatitra miaraka amin'ireo zanak'ondry roa. Amin'ireo mpisorona, ireo fanatitra masina ho an'i Yaveh. 21 Amin'io andro io ihany ianareo dia tsy maintsy manao fanambarana. Hisy ny fiombonana masina, ka tsy hanao ny asa mahazatra ianareo. Ho lalàna raikitra amin'ny taranak'ireo vahoakanareo amin'ny toerana rehetra honenanareo izany. 22 Rehefa mijinja ny vokatry ny taninareo ianareo, dia tsy tokony hijinja tanteraka ireo zoron'ireo sahanareo, ary tsy tokony hanangona izay latsaka amin'ny vokatrareo. Aoka havelanareo ho an'ny mahantra sy ho an'ny vahiny ireo. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo."' 23 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 24 "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely ary mitenena hoe: 'Amin'ny volana fahafito, ny andro voalohan'izany volana izany dia ho fitsaharana manetriketrika ho anareo, fahatsiarovana miaraka amin'ny fitsofana trompetra, ary fiombonana masina. 25 Aoka ianareo tsy hanao ny asa mahazatra, ary aoka ianareo hanolotra sorona natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh."' 26 Dia niresaka tamin'i Mosesy Yaveh, nanao hoe: 27 "Ary amin'ny andro fahafolon'izany volana fahafito izany no Andron'ny Fanavotana. Ho fiombonana masina izany, ary ianareo dia tsy maintsy manetry ny tenanareo ary manolotra fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. 28 Aoka ianareo tsy hiasa amin'io andro io satria Andron'ny Fanavotana izany, mba ho fanavotana ho an'ny tenanareo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo. 29 Izay rehetra tsy manetry ny tenany amin'io andro io dia tsy maintsy alàna avy eo amin'ny olony. 30 Na iza na iza miasa amin'io andro io, Izaho, Yaveh, dia handrava azy eo amin'ireo olony. 31 Aoka ianareo tsy hanao asa amin'io andro io na inona na inona izany. Ho lalàna raikitra amin'ny taranak'ireo vahoakanareo amin'ny toerana rehetra honenanareo izany. 32 Izany andro izany dia tsy maintsy ho Sabata fitsaharana manetriketrika ho anareo, ary ianareo dia tsy maintsy manetry ny tenanareo amin'ny andro fahasivin'ny volana amin'ny hariva. Manomboka amin'ny hariva ka hatramin'ny hariva ianareo dia hankalaza ny Sabatanareo." 33 Yaveh niresaka tamin'i Mosesy, nanao hoe: 34 "Miresaha amin'ny olon'Israely, manao hoe: 'Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana fahafito no ho Firavoravoan'ny Fialofana ho an'i Yaveh. Haharitra fito andro izany. 35 Amin'ny andro voalohany dia tsy maintsy hisy fiombonana masina. Aoka ianareo tsy hanao ny asa mahazatra. 36 Mandritra ireo fito andro ianareo dia tsy maintsy manolotra sorona natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. Amin'ny andro fahavalo dia tsy maintsy hisy fiombonana masina, ary tsy maintsy manao sorona amin'ny afo atolotra ho an'i Yaveh ianareo. Fiombonana manetriketrika izany, ary ianareo dia aoka tsy hanao ny asa mahazatra. 37 Ireo no firavoravoana voatendry ho an'i Yaveh, izay tsy maintsy ambaranareo ho fiombonana masina mba hanolorana sorona natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, fanatitra dorana sy fanatitra vary, sorona sy fanatitra sotroina, ny tsirairay samy amin'ny androny avy. 38 Ireo firavoravoana ireo dia hiampy ireo Sabatan'i Yaveh sy ireo fanomezanareo, ireo voadinareo rehetra, ary ireo fanatitrareo an-tsitrapo izay homenareo an'i Yaveh. 39 Momba ny Firavoravoan'ny Fialofana, amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana fahafito, rehefa voaangonareo ireo vokatry ny tany, dia tsy maintsy tandremanareo io firavoravoan'i Yaveh mandritra ny fito andro io. Ny andro voalohany dia ho fitsaharana manetriketrika, ary ny andro fahavalo ihany koa dia ho fitsaharana manetriketrika. 40 Amin'ny andro voalohany ianareo dia tsy maintsy maka ny vokatra tsara indrindra avy amin'ireo hazo ianareo, sampan'ny hazo rofia, sy sampana be ravina ao amin'ny ala mikitroka, ary hazo malahelo eny amin'ireo loharano, ary hifaly eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo mandritra ny fito andro ianareo. 41 Mandritra ireo fito andro isan-taona, dia tsy maintsy mankalaza io firavoravoan'i Yaveh io ianareo. Ho lalàna raikitra amin'ny taranak'ireo vahoakanareo amin'ny toerana rehetra honenanareo izany. Tsy maintsy hankalaza io firavoravoana io ianareo amin'ny volana fahafito. 42 Aoka ianareo honina amin'ny fialofana kely mandritra ny fito andro. Ireo Israelita tera-tany rehetra dia tsy maintsy honina amin'ny fialofana kely mandritra ny fito andro, 43 mba ho afaka hianatra ny fomba namponenako ny olon'Israely tamin'ny fialofana tahaka izany rehefa notarihiko niala ny tany Egypta ireo taranakareo, ny taranaka mifandimby. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo."' 44 Tamin'izany fomba izany, no nanambaran'i Mosesy tamin'ny olon'Israely ireo firavoravoana voatendry ho an'i Yaveh.
Ireo diz firavoravoana izay notendren'ny Tompo araka ny fotoanany avy. Ny vahoaka dia nanaompo Azy amin'ireo firavoravoana ireo. DH: "ny firavoravoana ho an'i Yaveh" na "firavoravoan'i Yaveh"
Yaveh dia manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona amin'ny andro sy fotoana manokana.
Io dia zavatra izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka andavan'andro. Isaky ny aorian'ny enina andro izay ahafahan'izy ireo miasa, dia tsy maintsy mitsahatra izy ireo amin'ny andro fahefito.
Ny fangatahana ny fiombonan'ny Israely mba hanompo an'Andriamanitra amin'izany andro izany dia resahina toy ny hoe andro fiombonana izany andro izany, rehefa tsy maintsy miangona miaraka mba hanompo Ahy ianareo"
"araka ny fotoany"
Ny volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo dia manamarika ny fotoana nitondran'i Yaveh ireo Israelita nivoaka an'i Egypta. Ny andro fahefatra ambin'ny folo sy fahadimy ambin'ny folo dia manodidina ny fiantombohan'ny Aprily amin'ny tetiandro Tandrefana.
"amin'ny mody masoandro"
"Aoka hatokanaro hiaraha-miangona ny andro voalohany na "Aoka hataonareo miavaka sy hiaraha-miangona any andro voalohany"
Hanolotra izany ho an'i Yaveh amin'ny alalan'ny fandorana izany eo amin'ny alitara izy ireo.
Ny fangatahana amin'ny vahoaka amin'izany andro izany dia resahina toy ny hoe izany andro izany dia fiombonana. Ny fanokanana ho an'i Yaveh dia midika fa rehefa miangona izy ireo dia tsy maintsy manompo an'i Yaveh. DH: "Ny andro fahafito dia andro izay tsy maintsy hiarahanareo manompo an'Yaveh"
"Ny amboara voalohany" na "ny fehezam-bary volohany." Ny "amboara" dia dia fehezam-bary izay ampiarahin'ny olona fehezina.
DH: "fa ho eken'i Yaveh izany" na "ary hanaiky izany Aho"
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Ny iray efaha dia 22 litatra. DH: "efatra litatra sy tapany"
Ny iay hina dia 3,7 litatra. DH: "iray litatra"
"na vary nandrahoina na manta"
Io dia midika fa izy ireo sy ny taranany dia tsy maintsy mankatò io didy io mandrakizay. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 3:15.
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"50 andro"
Io dia filaharan'isan'ny fito. DH: "faha 7"
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
DH: "izay namboarinao tamin'ny koba roa ampahafolon'ny efaha ary asiana lalivay rehefa mahandro izany"
Io dia eo ho eo amin'ny 4,5 litatra. DH: "efatra litatra sy tapany"
Ny fahafahampon'ny Tompo amin'ilay hanitra dia mampiseho ny fahafahampony amin'ilay olona izay mandoro ilay fanatitra. DH: "ary ho faly aminareo i Yaveh" na "izay mahafaly an'i Yaveh"
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"rehefa manangom-bokatra ianareo dia aza angonina tanteraka ireo izay eo amin'ny lalana mankany amin'ny zoron'ny sahanareo"
Io dia volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro voalohany dia manakaiky ny eo ampovoamboan'ny Septambra amin'ny tetiandro Tandrefana.
Vanim-potoana izay ho fivavahana ihany fa tsy ho an'ny asa.
DH: "Aoka ianareo hanolotra sorona izay ataonareo amin'ny afo ho an'i Yaveh" na "aoka ianareo handoro fanatitra eo amin'ny alitara ho an'i Yaveh"
Io dia volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahafolo dia manakaiky ny faramparan'ny Septambra amin'ny tetiandro Tandrefana.
Amin'io andro io, isan-taona, ny mpisoronabe dia manao sorona ho an'i Yaveh mba hamelany ny fahotan'ny vahoakan'Israely rehetra. DH: "Ny Andron'ny Soron'ny Famelan-keloka"
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona isan-taona i Yaveh.
Ny voahilika dia resahina toy ny hoe nesorina. Jereo ny nadikanao io hevitra io ao amin'ny 7:19. DH: "aoka ho ahilika tsy ho eo amin'ny vahoakany" na "aoka hosarahinareo amin'ny vahoakany izany olon izany"
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona isan-taona i Yaveh.
"amin'ny Andro ny Fanavotana"
Io dia midika fa izy ireo sy ny taranany dia tsy maintsy mankatò io didy io mandrakizay. Jereo ny nandikanao ny andian-teny mitovy amin'io ao amin'ny 3:15.
Io diatsy mitovy amin'ny Sabata izay ankalazain'izy ireo isaky ny andro fahafito. Io dia Sabata manokana amin'ny Andron'ny Fanavotana.
Eto, ny fanetren'izy ireo tena dia midika fa tsy hihinana sakafo izy ireo. Izany dia azo atao mazava. DH: "aoka ianareo hanetry ny tenanareo ka tsy hihinana na inona na inona"
Io dia manondro ny volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahasivy dia manakaiky ny faramparan'ny Septambra amin'ny tetiandro Tandrefana. Io dia azo atao mazava. DH: "ny andro fahasivin'ny volana fahafito"
"manomboka amin'ny mody masoandro ka hatramin'ny mody masoandro ny ampitso"
Io dia manakaiky ny fiantombohan'ny Oktobra amin'ny tetiandro Tandrefana.
Io dia fankalazana mandritra ny fotoana izay hipetrahan'ireo Israely ao amin'ny trano fialofana vonjimaika mandritra ny hafitoana mba hahatsiarovana ny fotoana izay nipetrahan'izy ireo tany an'efitra taorian'ny fialanan'izy ireo tany Egypta.
Yaveh dia manome toromarika ny amin'ny Firavoravoan'ny Fialofana.
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona isan-taona i Yaveh.
Io dia maondro ireo firavoravoana tao amin'ny 23:1-36.
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona isan-taona i Yaveh.
Io dia fankalazana mandritra ny fotoana izay hipetrahan'ireo Israely ao amin'ny trano fialofana vonjimaika mandritra ny hafitoana mba hahatsiarovana ny fotoana izay nipetrahan'izy ireo tany an'efitra taorian'ny fialanan'izy ireo tany Egypta. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 23:33.
Io dia volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahadimy ambin'ny folo dia manakaiky ny fiandohann'ny Oktobra amin'ny tetiandro Tandrefana.
Ny teny "vokatra" eto dia mampiseho ireo karazam-bokatra rehetra. Rehefa avy manangom-bokatra ianareo"
Yaveh dia manohy ny fanomezany toromarika ny amin'ny Firavoravoan'ny Fialofana.
Ireo mety hampisana ireo ratsan-kazo ireo dia 1) mba hanaovana fialofana vonjimaika na 2) mba haofahofan'izy ireo ho mariky ny fankalazan'ireo amim-pifaliana. Ny fandiakana sasany dia milaza izany mazava; fa ny fandikana hafa kosa dia mamela izany ho an-kolaka ihany.
Hazo misy ravina madinika no sady lavalava, izay maniry eny amoron-drano.
Yaveh dia manohy ny fanomezany toromarika ny amin'ny Firavoravoan'ny Fialofana.
"ny taranaka mifandimby" dia fomba fiteny izay manondro ireo taranaka izay mandimby ny taranaka teo aloha. DH: "Ireo taranakareo izay hianaran'ny taranaka ho avy" na "ireo izay hianaran'ny taranakareo rehetra
1 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 2 "Baikoy ny olon'Israely mba hitondra diloilo tsy mifangaro vita tamin'ny oliva ho anao mba ampiasaina amin'ny fanilo, mba hirehitra mandrakariva ny jiro. 3 Arona dia tsy maintsy mamela ny jiro hirehitra foana ao ivelan'ny lamba fanakonana eo anatrehan'ny didim-panekena ao amin'ny tranoy-lay fihaonana, manomboka ny hariva mandra-parain'ny andro. Ho lalàna maharitra hatramin'ny taranak'ireo vahoakanareo izany. 4 Ny mpisoronabe dia tsy maintsy mitandrina ny jiro hirehitra foana eo anatrehan'i Yaveh, ireo jiro eo amin'ny fitoeran-jiro volamena tsy misy fangarony. 5 Aoka ianao haka koba manify ary hanendy mofo roa ambin'ny folo amin'izany. Tsy maintsy misy roa ampahafolon'ny efaha isaky ny mofo. 6 Avy eo ianao dia hizara izany ho andalana roa, enina amin'ny andalana iray, eo ambonin'ny latabatra vita tamin'ny volamena tsy mifangaro. 7 Aoka ianao hametraka ditin-kazo manitra madio isak'ireo andalana mofo ho fanati-pahatsiarovana. Io ditin-kazo manitra io dia ho dorana ho an'i Yaveh. 8 Isaky ny Sabata ny mpisorona avo dia tsy maintsy mametraka mandrakariva ny mofo eo anatrehan'i Yaveh ho an'ny olon'Israely, mba ho famantarana ny fanekena tsy manam-pahataperana. 9 Io fanatitra io dia ho an'i Arona sy ireo zanany lahy, ary hohanin'izy ireo eo amin'ny toerana izay masina izany, satria ampahany avy tamin'ireo fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh izany." 10 Ary nisy zanaka vehivavy Israelita iray, izay Egyptiana no rainy, nandeha teo amin'ny vahoakan'Israely. Io zanakalahin'ilay vehivavy Israelita io dia niady tamin'ny Israelita iray tao amin'ny toby. 11 Niteny ratsy ny anaran'i Yaveh sy nanozona an'Andriamanitra io zanaka lahin'ilay vehivavy Israelita io, ka nentin'ny vahoaka teo amin'i Mosesy izy. Sebomita no anaran'ilay reniny, zanaka vavin'i Dibry, avy amin'ny fokon'i Dana. 12 Notazonin'izy ireo tao am-ponja izy mandra-panambaran'i Yaveh Izy tenany ny sitrapony amin'izy ireo. 13 Dia niteny tamin'i Mosesy Yaveh, nanao hoe: 14 "Alaivo ilay lehilahy izay nanozona an'Andriamanitra tao ivelan'ny toby. Izay rehetra mandre azy dia tsy maintsy mametraka ny tanan'izy ireo eo amin'ny lohany, ary aoka ny fiangonana iray manontolo hitora-bato azy. 15 Aoka ianao hanazava amin'ny olon'Israely ary hiteny hoe: "Izay rehetra manozona ny Andriamaniny dia tsy maintsy mizaka ny helony. 16 Izy izay miteny ratsy ny anaran'i Yaveh dia tsy maintsy ho vonoina tokoa. Tsy maintsy hitora-bato azy tokoa ny fiangonana manontolo, na vahiny izy na tera-tany Israelita. Raha misy olona miteny ratsy ny anaran'i Yaveh, dia tsy maintsy vonoina izy. 17 Raha misy olona mamono olona hafa, dia azo antoka fa tsy maintsy ho vonoina izy. 18 Raha misy olona mamono ny bibin'ny olona iray hafa, dia tsy maintsy manonitra izany izy, aina solon'ny aina. 19 Raha misy olona mandratra ny mpiara-monina aminy, dia tsy maintsy atao aminy izay nataony tamin'ny mpiara-monina aminy: 20 Fahatapahana solon'ny fahatapahana, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify. Satria nandratra olona izy, dia tsy maintsy atao aminy koa izany. 21 Izay rehetra mamono biby iray dia tsy maintsy manonitra izany, ary izay rehetra mamono olona dia tsy maintsy vonoina. 22 Aoka ianao hanana lalàna mitovy ho an'ny vahiny sy ny tera-tany Israelita, fa Izaho no Yaveh Andriamanitrao."' 23 Koa niresaka tamin'ny olon'Israely i Mosesy, ary nentin'ny olona nivoaka tao ivelan'ny toby ilay lehilahy, ilay nanozona an'i Yaveh. Notorahin'izy ireo tamin'ny vato izy. Ireo vahoakan'Israely dia nanao arak'izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.
Andriamanitra dia manome toromarika an'i Mosesy ny amin'ireo zavatra ao amin'ny trano-lay fihaonana.
"menaka oliva tsy mifangaro"
Io dia manondro ny jiro na ny jiro ao amin'ny trano-lay masin'i Yaveh. DH: "ny jiro izay ao amin'ny trano-lay fihaonana"
Andriamanitra dia manohy ny fanomezany toromarika ny amin'ireo zavatra ao amin'ny trano-lay fihaonana.
Ny andian-teny "didim-panekena" dia mampiseho: na ireo takelaka roa misy ny didy na ny vata izay misy ireo takelaka ireo. Ireo dia napetraka tamin'ny toerana tena masina, izay efitra aorian'ny lamba fanakonana ao amin'ny amin'ny trano-lay fihaonana. DH: "eo ivelan'ny lamba fanakonana izay eo anoloan'ireo takelaky ny didim-panekena" na "eo ivelan'ny lamba fandrakofana izay eo anatrehan'ny vata misy ny fanekena"
Io dia lamba matevina mihantona toy ny rindrina. Izany dia tsy toy ny lamba fandrakofana amin'ny varavarankely.
"manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro ka mandra-piposaky ny masoandro" na "ny alina tontolo"
Io dia midika fa izy ireo sy ny taranany dia tsy maintsy mankatò io didy io mandrakizay. Jereo ny nandikanao ny nadian-teny mitovy alin'ny ao amin'ny 3:15.
Andriamanitra dia manome toromarika an'i Mosesy ny amin'ireo zavatra ao amin'ny trano-lay fihaonana.
Izany dia eo ho eo amin'ny 4,5 litatra. DH: "efatra litatra sy tapany"
Io latabatra io no toerana masina, izay eo anoloan'ny toerana masina indrindra.
Andriamanitra dia manome toromarika an'i Mosesy ny amin'ireo zavatra ao amin'ny trano-lay fihaonana.
Ny dintin-kazo manitra dia mety eo akaikin'ireo mofo, fa tsy mitambatra amin'ireo mofo. DH: "Aoka ianao hametraka dindin-kazo manitra eo akaikin'ny andala-mofo.
"io mofo izay hatolotra io"
"satria naka izany avy tamin'ireo fanatitra izy ireo"
"fanatitra dorana ho an'i Yaveh" na "fanatitra izay nodorananareo ho an'i Yaveh"
Ireo andian-teny ireo dia mitovy ny heviny amin'ny ankapobeny. DH: "niteny ratsy an'i Yaveh tamin'ny alala'ny fanozonana Azy" na "niteny zava-dratsy mahakasika an'i Yaveh"
Io dia anaram-behivavy.
Io dia anaran-dehilahy.
Nametraka ny tanan'izy ireo teo ambony lohany izy ireo mba hanehoana fa izy ilay meloka.
Andriamanitra dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy ny amin'ny tsy maintsy atao amin'ilay lehilahy izay nanozona an'Andriamanitra.
Ny fiharetana ny heloka dia resahina toy ny hoe mizaka ny helony. DH: "tsy maintsy miharitra ny helony" na "tsy maintsy voasazy"
Dh: "aoka hamono azy tokoa ny vahoaka" na "aoka hamono azy ny vahoaka"
Andriamanitra dia miresaka amin'i Mosesy ny amin'ny tsy maintsy ataon'ny vahoaka rehefa misy manao zavatra ratsy.
DH: "Aoka ho vonoinao tokoa ny olona izay mamono olona hafa"
Ny fomba hanefany izany dia azo atao mazava. DH: "tsy maintsy manonitra izany amin'ny alalan'ny biby velona"
Io dia fomba fiteny izay midika fa aina iray no mahasolo aina iray. DH: "aina iray hasolo aina iray" na "hanoloana ilay iray novonoiny" (UDB)
Andriamanitra dia miresaka amin'i Mosesy ny amin'ny tsy maintsy ataon'ny vahoaka rehefa misy manao zavatra ratsy.
DH: "Tsy maintsy ataonao aminy izany"
Ireo andian-teny ireo dia manamafy fa ny olona iray dia tokony mahazo ny ratsy nataony tamin'ny olona hafa.
Io dia manondro ny fahatapahan'ny taolana. DH: "taolana tapaka solon'ny taolana tapaka" na "raha manapaka taolan'olona izy, dia aoka ho tapaka ihany koa ny taolany" na "raha manapaka ny taolan'ny olona hafa izy, dia hanapaka ny taolany izy ireo"
Io dia manondro ny faharatran'ny maso tanteraka na poaka. DH: "raha mamotika mason'olona iray izy, dia aoka hopotehina ny masony " na "raha mamotika mason'olona izy, dia hamotika ny masony izy ireo"
Io dia manondro ny famelezana ny vava. DH: "raha mamely totohondry nifin'olona hafa izy, dia aoka ho velesina ihany koa ny nifiny" na "raha mamely totohondry nifin'olona hafa izy dia hamely ny nifiny izy ireo"
DH: "Aoka izy ireo hamono ny olona izay mamono olona"
"nankatò ny didy"
1 Niteny tamin'i Mosesy teny an-tendrombohitr'i Sinay Yaveh, nanao hoe: 2 "Mitenena amin'ny vahoakan'Israely ary lazao amin'izy ireo hoe: 'Rehefa mankany amin'ny tany izay omeko anareo ianareo, dia aoka mba hitandrina ny Sabata ho an'i Yaveh ny tany. 3 Aoka ianao hamboly eo amin'ny ny sahanao mandritra ny enin-taona, ary mandritra ny enin-taona dia aoka ianao handrantsana ny tanim-boalobokao ary hanangona ny vokatra. 4 Fa amin'ny taona fahafito, dia aoka ho tandrovina ny andro Sabatan'ny fitsaharana manetriketrika ho an'ny tany, Sabata ho an'i Yaveh. Aoka ianao tsy hamboly eny amin'ny sahanao na handrantsana ny tanim-boalobokao. 5 Aoka ianao tsy hanao fijinjana voarindra amin'ny zava-drehetra maniry ho azy, ary aoka ianao tsy hanao fijinjana voarindra amin'ny voaloboka rehetra izay mitombo eo amin'ny voalobokao izay tsy voarantsana. Ho taom-pitsaharana manetriketrika ho an'ny tany izany. 6 Izay maniry eo amin'ny tany tsy niasàna mandritra ny taonan'ny Sabata no ho sakafonao. Ianao, ireo mpanomponao lahy sy vavy, ireo mpanompo karamainao ary ireo vahiny izay monina miaraka aminao no aoka hanangona hanina, 7 ary ny biby fiompinao sy ireo bibi-dia no aoka hihinana izay rehetra vokarin'ny tany. 8 Aoka ianao hanisa Sabata fito amin'ny taona, izany hoe, im-pito isaky ny fito taona, mba hisy Sabata fito ny taona, sivy amby efapolo taona ny fitambarany. 9 Dia aoka ianao hitsoka anjomara mafy na aiza na aiza amin'ny andro fahafolon'ny volana fahafito. Amin'ny Andron'ny Fanavotana dia aoka ianao hitsoka anjomara manerana ny taninao rehetra. 10 Aoka ianao hanokana ny taona fahadimampolo ho an'i Yaveh ary hanambara ny fahafana manerana ny tany amin'ny mponiny rehetra. Ho Jobily ho anao izany, izay tsy maintsy hamerenana ireo fananana sy ireo andevo any amin'ireo fianakaviany. 11 Ho Jobily ho anao ny fahadimam-polo taona. Aoka ianao tsy hamboly na hitondra fijinjana voalamina. Mihinàna izay rehetra maniry ho azy, ary angony ireo voaloboka izay mitombo eo amin'ny tanim-boaloboka tsy voarantsana. 12 Fa Jobily, izay ho masina ho anao izany. Aoka ianao hihinana ny vokatra izay maniry ho azy ivelan'ireo saha. 13 Aoka hamerina ny tsirairay any amin'ny zara-taniny ihany ianao amin'izany taonan'ny Jobily izany. 14 Raha mivarotra tany amin'ny namanao ianao na mividy tany avy amin'ny namanao, dia aoka ianareo tsy hifamitaka na hifanao ratsy. 15 Raha mividy tany amin'ny namanao ianao, hevero ny isan'ny taona sy ny vokatra izay azo jinjaina madra-pahatongan'ny Jobily manaraka. Aoka ihany koa ny namanao mivarotra ilay tany hihevitra izany. 16 Ny hamaron'ny isan'ny taona mandra-pahatongan'ny Jobily manaraka no hampitombo ny lanjan'ny tany, ary ny havitsian'ny isan'ny taona mandra-pahatongan'ny Jobily manaraka no hampihena ny lanja. Satria ny isan'ny vokatra ho vokarin'ny tany ho an'ny tompony vaovao dia mifandraika amin'ny isan'ny taona mialohan'ny Jobily manaraka. 17 Aoka ianareo tsy hifamitaka na hifanao ratsy; fa kosa; aoka ianao hanome voninahitra an'Andriamanitrao, fa Izaho no Yaveh Andriamanitrao. 18 Noho izany dia aoka ianao hankatò ireo didiko, hitandrina ireo lalàko, ary hanatanteraka azy ireo. Dia honina ao amin'ny tany am-pilaminana ianao. 19 Hanome ny vokany ny tany, ary hihinana ianao ka ho voky ary honina any am-pilaminana ao. 20 Mety hiteny ianao hoe: "Inona no hohaninay mandritra ilay taona fahafito? Indro, tsy afaka mamboly na manangona ny vokatray izahay." 21 Handidy ny fitahiako Aho mba ho tonga aminareo amin'ny taona fahaenina, ary hamokatra vokatra ampy mandritry ny telo taona izany. 22 Hamboly ianao amin'ny taona fahavalo ary hanohy hihinana avy amin'ny vokatry ny taona teo aloha sy ny hanina voatahiry. Ambara-pahatongan'ny fijinjana amin'ny taona fahasivy, dia afaka hihinana avy amin'ny vatsy voatahiry tamin'ny taona teo aloha ianao. 23 Aoka tsy hamidy amin'ny tompo vaovao ny tany, satria Ahy ny tany. Vahiny avokoa ianareo ary mponina mandalo eo amin'ny taniko. 24 Aoka ianao handinika ny zon'ny fanavotana ho an'ny tany rehetra izay azonao; aoka ianao hamela ny tany hiverina hovidian'ny fianakaviana izay nividiananao izany. 25 Raha tonga mahantra ny Israelita namanao ary noho izany antony izany no nivarotany ny sasany amin'ny fananany, dia mety ho avy ny havany akaiky indrindra ary hividy ny fananana izay namidiny taminao. 26 Raha tsy manan-kavana mba hanavotra ny fananany ny lehilahy iray, kanefa raha ambinina izy ary manana fahafahana hanavotra izany, 27 dia hikajy ny taona hatramin'ny nivarotana ny tany sy nanonerana indray ny fandanjana tamin'ilay olona izay nivarotany izany izy. Dia hiverina any amin'ny fananany ihany izy. 28 Fa raha toa ka tsy afaka mampiverina ny tany ho azy ihany izy, dia hijanona ho fananan'ilay nividy izany hatramin'ny taonan'ny Jobily ny tany. Amin'ny taonan'ny Jobily, dia haverina amin'ny lehilahy izay nivarotra izany ny tany, ary ny tena tompony hiverina amin'ny fananany. 29 Raha mivarotra trano any amin'ny tanàna mimanda ny lehilahy iray, dia mety hividy izany indray anatin'ny taona iray manontolo izy aorian'ny nahalafo izany. Fa mandritra ny taona iray manontolo dia hanana ny zon'ny fanavotana izy. 30 Raha tsy avotra anatin'ny taona iray manontolo ny trano, dia ho fananana mandrakizay ho an'ny olona izay nividy izany ny trano ao amin'ny tanàna mimanda, ka hatramin'ny taranany fara mandimby. Dia tsy ho hiverina izany trano izany amin'ny taonan'ny Jobily. 31 Fa ireo tranon'ireo vohitra izay tsy misy manda manodidina azy ireo dia heverina ho toy ny sahan'ny tany. Havotana izy ireo, ary tsy maintsy haverina mandritra ny taonan'ny Jobily. 32 Na izany aza, ny tranon'ireo Levita ao an-tanànan'izy ireo dia ho avotra amin'ny fotoana rehetra. 33 Raha tsy manavotra ny trano izay namidiny ny iray amin'ireo Levita, dia tsy maintsy haverina amin'ny taonan'ny Jobily ny trano izay namidiny tao an-tanàna nisy azy, fa fananan'izy ireo amin'ny vahoakan'Israely ireo tranon'ny tanànan'ny Levita. 34 Fa ireo saha manodidina ny tanànany dia tsy azo amidy satria fananana raikitr'ireo Levita izany. 35 Raha lasa mahantra ny mpiray tanindrazana aminao, ka tsy afaka mamokatra ho azy intsony izy, dia aoka ianao hanampy azy tahaka ny hanampianao vahiny na olona iray izay monina tahaka ny mpivahiny eo aminao. 36 Aza maka tombony aminy na manandrana manararaotra azy amin'ny fomba rehetra, fa manomeza voninahitra ny Andriamanitrao mba ho afaka hiaina miaraka aminao ireo rahalahinao. 37 Aza mampindram-bola azy ary maka zana-bola aminy, na mivarotra aminy ny haninao mba hahazoana tombony. 38 Izaho no Yaveh Andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka ny tany Egypta, mba hahafahako manome anao ny tany Kanana, ary hahatonga Ahy ho Andriamanitrao. 39 Raha lasa mahantra ny mpiray tanindrazana aminao ary mivarotra ny tenany aminao, aoka ianao tsy hampiasa azy tahaka ny andevo. 40 Ataovy tahaka ny mpanompo karamaina izy. Aoka izy ho toy ny olona izay miaina miaraka aminao amin'ny fotoana voafetra. Hanompo hiaraka aminao hatramin'ny taonan'ny Jobily izy. 41 Avy eo dia hiala aminao izy, izy sy ireo zanany miaraka aminy, ary hiverina any amin'ny fianakaviany sy ny fananan-drainy izy. 42 Fa mpanompoko izay nentiko nivoaka ny tany Egypta izy ireo. Tsy hamidy tahaka ireo andevo izy ireo. 43 Aoka ianao tsy hitondra azy ireo amin-karatsiana, fa aoka ianao hanome voninahitra ny Andriamanitrao. 44 Raha ny amin'ireo andevo lahy sy vavy, izay azonao alaina avy amin'ireo firenena izay monina manodidina anao, dia afaka hividy andevo avy amin'izy ireo ianao. 45 Afaka mividy andevo avy amin'ireo vahiny izay monina eo aminao ihany koa ianao, dia izay avy amin'ireo fianakaviana izay miaraka aminao, ankizy izay teraka tao amin'ny taninao. Ho tonga fanananao izy ireo. 46 Hamokatra andevo tahaka izany ho lova ho an'ireo zanakao aoriana, mba hazonina ho fananana ianao. Avy amin'izy ireo mandrakariva no hividiananao ireo andevonao, fa aoka ianao tsy hitondra an-kery ireo rahalahinao amin'ireo vahoakan'Israely. 47 Raha tonga mpanan-karena ny vahiny na ny olona izay miaina miaraka aminao amin'ny fotoana voafetra, ary raha lasa mahantra ny iray amin'ny Israelita namanao ka mamarotra ny tenany amin'izany vahiny izany, na amin'ny olona ao amin'ny fianakavian'ny vahiny, 48 rehefa voavidy ny Israelita namanao, dia afaka vidiana indray izy. Hanavotra azy ny iray ao amin'ny fianakaviany. 49 Mety ho rahalahin-drain'ilay olona, na zana-drahalahin-drainy, no manavotra azy, na olona izay havany akaiky avy amin'ny fianakaviany. Na, raha tonga mpanan-karena izy, dia afaka hanavotra ny tenany. 50 Aoka izy hifanaraka amin'ny olona izay nividy azy; aoka izy ireo hanisa ny taona manomboka ny taona nahalafo azy tamin'ny mpividy azy ka hatramin'ny taonan'ny Jobily. Aoka ny vidin'ny fanavotana azy ho etritreretina miaraka amin'ny taham-bidin'ny mpanompo nokaramaina, ho an'ny isan'ny taona hanoizany miasa ho an'ilay nividy azy. 51 Raha mbola misy taona maro mandra-pahatongan'ny taonan'ny Jobily, aoka izy hiverina handoa sandam-bola tahaka ny vidin'ny fanavotana izay mifandanja amin'ny isan'ireo taona. 52 Raha toa ka taona vitsy monja sisa mandra-pahatongan'ny taonan'ny Jobily, dia tsy maintsy mifanaraka amin'ny mpividy azy izy mba hahitana ny isan'ny taona sisa ambiny mialohan'ny taonan'ny Jobily, ary aoka izy hanefa ho an'ny fanavotany mifanaraka amin'ny isan'ny taona. 53 Hatao tahaka ny lehilahy nokaramaina isan-taona izy. Aoka ho azonao antoka fa tsy hitondra azy amin- kery tokoa ianao. 54 Raha tsy avotra amin'izany izy, dia aoka izy hanompo hatramin'ny taonan'ny Jobily, izy sy ireo zanany miaraka aminy. 55 Amiko dia mpanompo ny vahoakan'Israely. Mpanompoko izay nentiko nivoaka ny tany Egypta izy ireo. Izaho no Yaveh Andriamanitrao."'
Ny tany dia resahina toy ny hoe olona izay afaka mankato ny Sabata amin'ny alalan'ny fitsaharana. Tahaka ny olona izay miala sasatra amin'ny andro fahafito, ny olona dia nanome voninahitra an'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny tsy fambolena ny tany isaky ny fito taona. DH: "aoka ianao hitandrina ny lalàn'ny Sabata amin'ny alalan'ny famelana ny tany hiala sasatra isaky ny fito taona ho an'i Yaveh" na "aoka ianao hankatò ny Sabatan'i Yaveh amin'ny alalan'ny tsy fambolena ny tany isaky ny fito taona"
Ny mandrantsana voalaoboka dia manapaka ireo rantsany sy ny voaloba mba hitomboan'ny voa tsara kokoa.
Ny tsy fambolena ny tany dia resahina toy ny hoe mamela ny tany hiala sasatra. DH: "Aoka ianao hitandrina Sabatan'ny fitsaharana manetriketriky ny tany" na "aoka ianao hankatò ny lalàn'ny Sabata amin'ny alalan'ny tsy fambolena ny tany isaky ny fito taona"
Ao amin'ny 25:5-6, ny tian'i Yaveh lazaina dia ny hoe: tsy hamela ny tompon-tsaha handrindra ny mpiasany sy ny vokatry ny taniny araka ny fanaony amin'ny enin-taona hafa Izy. Na izany aza, Yaveh dia mamela ny tsirairay handeha ho eny an-tsaha ka hioty sy hihinana ny voankazo izay hitany.
Io dia midika fa tsy nisy nikarakara ny voaloboka ka hanapaka azy ireo araka ny fanaony mandritra ny enin-taona hafa. DH: "ny volobokao izay tsy norantsaninao"
"izay maniry amin'ny tany tsy niasàna"
Io dia midika fa tsy nisy nikarakara ilay saha na ilay tanimboly araka ny fanaony mandritra ny enin-taona hafa. DH: "ny sahanao izay tsy nokarakarainao"
"izay rehetra vokatra eo amin'ny tany"
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona.
"hametraka Sabata fito ao anatin'ny fito taona"
"49 taona"
Io dia volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahafolo dia manakaiky ny fiafaran'ny Septambra amin'ny tetiandro Tandrefana.
Amin'io andro io, isan-taona, ny mpisoronabe dia manao sorona ho an'i Yaveh mba hamelan'i Yaveh ny fahotan'y vahoakn'Israely rehetra. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 23:26.
Io dia filaharan'isa. DH: "taona faha 50"
Ny Jobily dia taona izay tsy maintsy hamerenan'ny Jisosy ny tany amin'ny tena tompony ary manafaka ny andevo. DH: "taonan'ny famerenana amin'ny laoniny ho anao" na "taona ho anao mba hamerenana ny tany sy hanafahana ny andevo"
DH: "aoka ianao hamerina ny fananana sy ny andevo"
"taona fiverenana amin'ny laoniny" na "taona mba hamerenanao ny tany." Ny olona mamerina ilay tany dia azo lazaina mazava. DH: "taona mba hamerenanao amiko ny tany"
Yaveh dia tsy namela ny tompon'ny tany handrindra ny mpiasany sy ny vokatry ny taniny araka ny fanaony mandritra ny enin-taona hafa. Na izany aza, Izy dia namela ny tsirairay handeha ka hihinana izay hitany.
"izany taonan'ny fanarenana" na "izany taona izany no hamerenana ny tany sy hanafahana ny andevo"
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona.
DH: "izay azonao jinjaina"
"ny taona fanarenana manaraka" na "ny taona manaraka hamerenana ny tany"
Ireo andian-teny rehetra ireo dia mitovy ny heviny amin'ny ankapobeny. Ireo dia manamafy fa ny olona dia tsy maintsy mankatò izay rehetra lazain'i Yaveh.
Io dia midika fa hihinana ampy ampy izy ireo ka ho feno ny kibony. DH: "hihinana ianareo mandra-pahavoky anareo" na "hihinana maro ianao"
Eto, ny "ianao" dia manondro ny vahoakan'Israely.
Andriamanitra dia miresaka ny fitahiany toy ny hoe olona izay afaka mankatò Azy. DH: "handefa ny fitahiako ho aminao Aho" na "hitahy anao Aho"
DH: "avy amin'ny sakafo notehirizinao"
Manohy ny fitenenany i Yaveh.
DH: "aoka ianao tsy hivarotra tanteraka ny tany amin'ny olon-kafa"
Ny anarana " fanavotana" dia azo adiaka amin'ny matoanteny "manavotra" na "mamerina mividy" DH: "Aoka ianao hahatadidy fa ny tena tompon'ny tany dia manan-jo ny hanavotra ny tany amin'ny fotoana tiany"
DH: "aoka ianao hamela ny fianakaviana avy amin'izay nividiananao ny tany mba hiverina hividy ilay tany"
DH: "namidiny ny tany"
DH: "manefa ny vola izay nividianan'ilay mpividy izany amin'ilay mpividy azy"
"ny taonan'ny fanarenana" na "ny taona hamerenana ny tany." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:10.
DH: "ilay efa nividy izany dia hamerina izany"
"hiverina amin'ny taniny"
DH: "aorian'ny nivarotany izany"
Ny anarana " fanavotana" dia azo adiaka amin'ny matoanteny "manavotra" na "mamerina mividy." DH: "zo ny hanavotra izany"
DH: "raha tsy manavotra ilay trano izy na ny fianakaviany"
"ny taonan'ny fanarenana" na "ny taona hamerenana ny tany sy hanafahana ny andevo"
Ny zana-bohitra sasany dia tsy misy manda manodidina.
DH: "Azonao haverina vidiana ireo trano ireo, ary ireo izay nividy ireo dia tsy maintsy hamerina izany"
"ny taonan'ny fanarenana" na "ny taona hamerenana ny tany sy hanafahana ny andevo"
DH: "ireo trano izay an'ireo Levita ao an-tananan'izy ireo"
DH: "Azon'ireo Levita avotana amin'ny fotoana rehetra ireo"
DH: "ilay nividy ny trano tao amin'ny tanàna izay nisy izany dia tsy maintsy mamerina izany"
"ny taonan'ny fanarenana" na "ny taona hamerenana ny tany sy hanafahana ny andevo"
Ny tany Kanana dia nozaraina tamoin'ireo vahoakan'Israely, saingy tamin'izany tany izany dia 48 ihany no tanàna nomena ny Levita izay misy saha manodidina azy. DH: "Ny anjara-tanin'izy ireo izay lasan'ny Israelita" na "ny fananan'izyy ireo ao amin'ny tanin'Israely"
DH: "fa ireo Levita dia tsy mahazo mivarotra ny saha manodidina ny tananàn'izy ireo"
Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"Aza mampanefa azy mihoatra noho izay nampindraminao azy"
Io dia midika fa ilay tompo dia midika
"ny taonan'ny fanarenana" na "ny taona hamerenana ny tany sy hanafahana ny andevo"
Yaveh dia miresaka amin'i Mosesy ny amin'ny tsy maintsy ataon'ny vahoaka.
"ireo mpiray fihaviana aminao dia mopanompoko"
DH: "Aoka tsy hovidianao toy ny andevo izy ireo"
"azonao atao ny mividy andevo avy amin'ireo firenena ireo"
DH: "aorian'ny fifidianan'ireo vahiny ireo Israelita mpiray fiaviana aminao, dia misy ao amin'ny fianakaviana Israelita afaka miverina mividy azy "
Ny Israelita iray dia mety ho andevo mandra-pahatongan'ny taonan'ny Jobily ihany. Ireo toromarika ireo arahin'ny Israelita iray naniry ny hiverina hividy ny fahafahany mialohan'ny taonan'ny Jobily.
"ny taonan'ny fanarenana" na "ny taona hamerenana ny tany sy hanafahana ny andevo"
DH: "Aoka izy ireo hieritreritra ny vidim-panafahana azy" na "Aoka izy ireo hieritreritra ny sanda hohefaina amin'ny vahiny mba hanafahan ny Israelita"
Raha niverina nividy ny fahafahany ny Israelita iray, dia hanakarama mpanompo ilay vahiny mba hanao ny asa izay tokony vitain'ilay Israelita kanefa tsy vitany. DH: "arakaraka taha hividianan'ny olona iray ny mpanompo iray"
"ho an'ny isan'ny taona izay tokony nanohizan'ny Israelita iray miasa saingy tsy notohizany, mandra-pahatonga ny taonan'ny Jobily"
"Ny andevo Israelita dia tsy maintsy haverina vidiana"
DH: "Ny vahiny izay nividy azy hoandevo dia tsy maintsy mitondra azy tahaka ny"
DH:"tsy hisy hitondra azy amin-karatsiana"
Ilay havotana dia azo lazaina mazava. DH: "raha misy manavotra azy avy amin'ireo izay nividy azy ho andevo amin'ireo fomba ireo"
"amin'izany fomba izany"
Ny andevo Israelita sy ny zanany dia hanompo ny vahiny mandra-pahatongan'ny taonan'ny Jobily, ary avy eo dia hanafaka ireo andevo Israelita sy ny zanany ireo vahiny.
"fa raha amiko, ny vahoaka Israelita dia mpanompo." Izany fihevitra izany no nahatonga an'Andriamanitra naniry ny hanafaka ny Israely amin'ny taonan'ny Jobily. Izy ireo dia mpanompony. Izy ireo dia tsy navela ho andevon'ny olona hafa mandrakizay.
1 "Aoka ianareo tsy hanao ireo sampy, na hanangana sarin-javatra voasokitra na tsangam-bato masina, ary aoka ianareo tsy hametraka sary vato voasokitra ao amin'ny taninareo izay hiankohofanareo, fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. 2 Aoka hitandrina ireo Sabatako sy hanome voninahitra ny fitoerako masina ianareo. Izaho no Yaveh. 3 Raha manaraka ireo lalàko sy mitandrina ireo didiko ary mankato izany ianareo, 4 dia hanome orana anareo amin'ny vanim-potoany Aho; hanome ny vokany ny tany, ary ireo hazon'ny saha hamokatra ireo voany. 5 Ary ny fivelesam-bary dia hitohy amin'ny fotoan'ny fiotazam-boaloboka, ary hihitatra hatramin'ny fotoam-pambolena ny voka-boaloboka. Hihinana ny mofonareo mandra-pahavoky ianareo ary hiaina am-pilaminana any amin'izay nataonareo fonenana ao amin'ny tany. 6 Hanome fiadanana ao amin'ny tany Aho; handry miaraka amin'ny zavatra tsy hampahotra anareo ianareo. Hamongotra ireo biby mandoza amin'ny tany Aho, ary tsy handalo amin'ny taninareo ny sabatra. 7 Hanenjika ireo fahavalonareo ianareo, ka ho lavo eo anoloanareo amin'ny alalan'ny sabatra izy ireo. 8 Dimy aminareo hanenjika zato, ary zato aminareo hanenjika iray alina; ho lavo eo anoloanareo amin'ny alalan'ny sabatra ireo fahavalonareo. 9 Hijery anareo amim-pankasitrahana Aho ary hampamokatra sy hampitombo isa anareo; hametraka ny fanekeko aminareo Aho. 10 Hihinana ireo hanina voatahiry amin'ny fotoana maharitra ianareo. Tsy maintsy hamoaka ireo sakafo voatahiry ianareo satria hilainareo ho an'ny vokatra vaovao ny efitra. 11 Hametraka ny tabernakeliko eo aminareo Aho, ary tsy hankahala anareo Aho. 12 Handeha eo aminareo Aho ary ho Andriamanitrareo, ary ianareo ho oloko. 13 Izaho no Yaveh Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka ny tany Egypta, mba tsy ho andevon'izy ireo ianareo, nanapaka ny hidin'ny zioganareo Aho ary nampandeha anareo mahitsy. 14 Fa raha tsy hihaino Ahy ianareo, ary tsy hankato ireo didiko rehetra, 15 ary raha mandà ireo didiko sy mankahala ireo lalàko, ary tsy mankato ireo didiko rehetra ianareo, fa hivadihanareo ny fanekeko— 16 —raha manao ireo zavatra ireo ianareo, dia hanao izao aminareo Aho: Hampisy horohoro aminareo Aho, aretina sy tazo izay hanimba ny maso sy hanimba ny ainareo. Hamboly ireo voa ho zava-poana ianareo, satria ireo fahavalonareo no hihinana ny vokany. 17 Hanandrina ny tavako hanohitra anareo Aho, ary hanjakan'ireo fahavalonareo tanteraka ianareo. Hanapaka anao ireo lehilahy izay mankahala anao, dia handositra ianao, na dia tsy misy na iray aza manenjika anao. 18 Raha tsy mihaino ireo didiko ianareo, dia hanafay am-pahasiahana anareo im-pito nohon'ny fahotanareo Aho. 19 Handrava ny avonavonareo anatin'ny herinareo Aho. Hanao ny lanitra eo amboninareo ho toy ny vy Aho ary ny taninareo tahaka ny varahina. 20 Hampiasaina amin'ny zava-poana ny tanjakareo, satria tsy hamokatra ny vokany ny taninareo, ary ireo hazo ao amin'ny tany dia tsy hamokatra ireo voany. 21 Raha mandeha manohitra Ahy ianareo ary tsy hihaino Ahy, hitondra famelezena im-pito avo heny eo aminareo Aho, araka ny fahotanareo. 22 Handefa ireo biby mandoza hanohitra anareo Aho, izay hangalatra ireo zanakareo, handrava ny biby fiompinareo, ary hahavitsy isa anareo. Ka ho tonga ngazana ny lalanareo. 23 Na dia eo aza izany zavatra izany ka mbola tsy manaiky ny fanitsiako ihany ianareo ary mandeha manohitra Ahy hatrany, 24 dia handeha hanohitra anareo ihany koa Aho, dia Izaho mihitsy no hanafay anareo im-pito noho ireo fahotanareo. 25 Hitondra sabatra eo aminareo Aho izay hanatanteraka ny famaliana nohon'ny fivadihana tamin'ny fanekeko. Hangonina miaraka ao an-tanànareo ianareo, dia handefa aretina eo aminareo any Aho, dia hatolotra ho eo an-tanan'ireo fahavalonareo ianareo. 26 Rehefa hotapahiko ny sakafo vatsinareo, dia vehivavy folo dia hahavita hanendy ny mofonareo anaty lafaoro iray, dia hizara ny mofonareo ara-danja izy ireo. Hihinana ianareo fa tsy ho afa-po. 27 Raha tsy mihaino Ahy ianareo na dia eo aza ireny zavatra ireny, fa mbola mandeha manohitra Ahy hatrany, 28 dia handeha hanohitra anareo amim-pahatezerana hatrany Aho, ary hanafay anareo im-pito avo heny mihoatra nohon'ny fahotanareo. 29 Hihinana ny nofon'ireo zanakareo lahy ianareo; hihinana ny nofon'ireo zanakareo vavy ianareo. 30 Handrava ireo fitoeranareo avo Aho, hanapaka ireo alitaran'ny ditin-kazo manitra, ary hanary ny fatinareo eo ambonin'ny fatin'ireo sampinareo, dia Izaho mihitsy no hankahala anareo. 31 Hamadika ireo tanànanareo ho faharavana Aho ary handrava ireo fitoeranareo masina. Tsy ho faly amin'ny hanitrin'ireo fanatitrareo Aho. 32 Handrava ny taninareo Aho. Ireo fahavalonareo izay honina any dia ho talanjona amin'ny faharavana. 33 Hampiely anareo manerana ireo firenena Aho, ary hanatsoaka ny sabatro sy hanaraka anareo Aho. Hilaozana ny taninareo, ary ho ravana ireo tanànanareo. 34 Dia hitia ny Sabatany ny tany mandritra ny handriany ho lao ary ho ao amin'ny tanin'ny fahavalonareo ianareo. Mandritr'izany fotoana izany, hitsahatra ny tany ka hitia ireo Sabatany. 35 Raha mbola handry ho lao izany, dia hanana fitsaharana, izay ho fitsaharana tsy azony tamin'ny Sabatanareo, rehefa nonina tao ianareo. 36 Ary ny amin'ny sasany aminareo izay navela any amin'ny tanin'ireo fahavalonareo, dia handefa tahotra amin'ny fonareo Aho ka na dia ravina voatsokan'ny rivotra aza dia hanaitra anareo, dia handositra tahaka ny hoe nitsoaka amin'ny sabatra ianareo. Hianjera ianao, na dia tsy misy na iza na iza manenjika aza. 37 Ho tafintohina eo amin'ny tsirairay tahaka ny hoe mandosi-tsabatra ianareo, na dia tsy misy na iza na iza aza manenjika anareo. Tsy hanana hery hitsanganana manoloana ireo fahavalonareo ianareo. 38 Ho faty any amin'ireo firenena ianareo, ary handrapaka anareo ireo tanin'ny fahavalonareo. 39 Ireo izay sisa tavela aminareo dia ho very ao anatin'ny fahotan'izy ireo, ao amin'ny tanin'ireo fahavalonareo, ary noho ireo heloky ny razamben'izy ireo dia hihaosa izy ireo. 40 Fa raha miaiky ireo fahotany sy ny fahotan'ireo razambeny izy ireo, sy ireo famadihana izay tsy nahatokisana tamiko, ary koa ny fandehanana manohitra Ahy— 41 izay nahatonga Ahy hivadika amin'izy ireo ary nitondrako azy ireo tany amin'ny tanin'ireo fahavalony— raha mietry ny fo tsy voaforan'izy ire, ary raha manaiky ny famaizako ho an'ireo fahotany izy ireo, 42 dia hotsaroiko ny fanekeko niaraka tamin'i Jakoba, ny fanekeko niaraka tamin'i Isaka, ary ny fanekeko niaraka tamin'i Abrahama; hotsaroiko ihany koa ny tany. 43 Hilaozan'izy ireo ny tany, ka ho faly miaraka amin'ny Sabatany izany mandritra ny handriany ho lao tsy misy azy ireo. Ka tsy maintsy hanonitra ho an'ireo otany izy ireo satria izy ireo mihitsy no nandà ireo fitsipiko sy nankahala ireo lalàko. 44 Fa na dia eo aza izany rehetra izany, rehefa any an-tanin'ireo fahavalony izy ireo, dia tsy hanary azy ireo Aho, na hankahala azy ka handrava tanteraka azy ireo sy hanafoana ny fanekeko niaraka tamin'izy ireo, fa Izaho no Yaveh Andriamanitr'izy ireo. 45 Fa hotsaroiko ho azy ireo ny fanekena niaraka tamin'ireo razambeny, izay nentiko nivoaka ny tany Egypta teo imason'ireo firenena, mba ho Andriamanitr'izy ireo Aho. Izaho no Yaveh." 46 Ireo no didy, fitsipika, ary lalàna izay nataon'i Yaveh teo Aminy sy ny vahoakan'Israely tany an-tendrombohitr'i Sinay tamin'ny alalan'i Mosesy.
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona.
"tòavy ny fitsipiky ny Sabatako"
Ireo dia fomba telo entina hilazana zavatra mitovy. Ireo dia manamafy fa ny olona dia tsy maintsy mankatò ny zava-drehetra izay nandidian'Yaveh hataon'izy ireo. DH: "Raha mankatò ny lalàko sy ny didiko ianareo"
Ny fitondrantena araka ny lalàna dia resahina toy ny hoe manaraka ny lalàny izy ireo. DH: "raha mitondratena araka ny lalàko ianareo" na "raha miaina araka ny lalàko ianareo"
Eto, ny mofo dia mampiseho sakafo. Ny "mandra-pahavoky" dia midika hoe mandra-pahafeno sakafo ny kibo. DH: "hihinana sakafo mandra-pahavoky" na "hanana sakafo maro hohanina"
"hataoko misy fiadanana ao amin'ny tany"
Eto, ny "sabatra" dia manondro ny tafiky ny fahavalo na fahavalo manafika. DH: "tsy hisy tafika hanafika anareo"
Eto, ny "fahalavoana" dia mampiseho fahafatesana, ary ny "sabatra" dia mampiseho ny fanafihana vahoaka amin-tsabatra na ny ady amin'ny ankapobeny. DH: "ho faty izy ireo rehefa manafika azy ireo amin-tsabatra ianareo" na "hamono azy ireo an'ady ianareo"
Io dia midika fa ireo Israelita dia hahazo fandresena manoloana ny tafika maro dia maro.
"5 ...100 ...10.000"
"Haneho sitraka anareo Aho" na "hitahy anareo Aho" (UDB)
Ireo andian-teny roa ireo dia maneho ny fanaovan'Andriamanitra azy ireo ho maro taranaka sy lasa vondrona lehibe.
Andriamanitra dia mireaka ny fananan'izy ireo zanana maro toy ny hoe hazo izay mamoa voa maro. DH: "hampanana zanaka maro anareo"
"Hanana tahirin-tsakafo hohanina mandritra ny fotoana maro ianareo" na "hanana sakafo maro ho tehirizina ianareo ary hihinana izany mandritra ny fotoana ela"
"hametraka ny toera-ponenako eo aminareo Aho"
"hanaiky anareo Aho"
Ny fandehanana eo amin'izy ireo dia mampiseho ny fiaraha-miaina amin'izy ireo. DH: "honina miaraka aminareo Aho"
Andriamanitra dia miresaka ny fanandevozana azy ireo toy ny hoe mitondra zioga izay entin'ny biby mba hanaovna asa mafy. Ny fanapahana ny hidin'izany zioga izany dia mampiseho ny fanomezana fahafahana azy ireo. DH: "efa nanafaka anareo tamin'ny asa mafy izay nampanaoviny anareo Aho"
Yaveh dia miresaka amin'i Mosesy ny amin'izay hitranga raha tsy mankatò ny didiny ny vahoaka.
Ny andian-teny "ireo zavatra ireo" dia manondro ireo zavatra voatanisa ao amin'ny 26:14.
Eto, ny "horohoro" dia mampiseho ny zavatra izay hahatonga azy ireo hatahotra. DH: "Handefa loza izay hampitahotra anareo Aho"
"haka ny ainareo tsimoramora" na "hamono anareo tsimoramora." Ny aretina sy ny tazo no hanao izany.
Ny andian-teny "zava-poana" dia midika fa izy ireo dia tsy hahazo na inona na inona amin'ny asan'izy ireo. DH: "Amin-java-poana no hambolenareo voa" na "hamboly ny voanareo ianareo, kanefa tsy hahazo na inona na inona avy amin'izany"
Io dia midika fa Izy dia hanohitra azy ireo. Ny tavany dia mampiseho ny fahatezerany ary Izy dia hiady hanohitra azy ireo. DH: "Hifanohitra isika" na "hanohitra anareo Aho"
DH: "handresy anareo ny fahavalonareo"
Eto, ny "im-pito" dia tsy ara-bakiteny. Io dia midika fa Yaveh dia hampitombo ny fahasarotan'ny fanasaziana azy ireo.
Ny fampiasana hery mba tsy hampirehareha azy ireo dia resahina toy ny hoe manapaka ny avonavon'izy ireo. DH: "hanasazy anareo Aho ary hamarana ny avonavona izay hahatsapanareo ny herinareo" sy "hanasazy anareo Aho mba tsy hireharehanareo amin'ny herinareo intsony"
Io dia midika fa Andriamanitra dia hampitsahatra ny orana milatsaka any amin'ny lanitra. Izany dia hahatonga ny tany ho mafy ka tsy hahafahan'ny olona mamafy voa na mamokatra.
Ny fiasana mafy dia resahina toy ny hoe izy ireo dia mampiasa ny herin'izy ireo mandra-pahalany ny heriny izy ireo. Ny andian-teny "zava-poana" dia midika fa izy ireo dia tsy hahazo na inona na inona amin'ny fiasana mafy. DH: "Hiasa mafy amin-java-poana ianareo" na "hiasa mafy ianareo, kanefa tsy hahazo na inona na inona tsara avy amin'ny fiasana mafy"
Ny fandehanana dia mampiseho ny fitondrantena. Ny fandehanana manohitra an'Andriamanitra dia mampiseho ny fanoherana Azy na mikomy manohitra Azy. DH: "mikomy manohitra Ahy"
DH: "Hamely anareo im-pito avo heny Aho"
Ny fampitrangan'i Yaveh loza amin'ny vahoakan'ireo Isrealita dia resahina toy ny hoe hamely azy ireo amin'ny famelezana. DH: "Hahatonga loza hanohitra anreo im-pito avo heny Aho" na "hanasazy mafy anareo im-pito avo heny Aho"
Eto, ny "im-pito" dia tsy ara-bakiteny. Io dia midika fa Yaveh dia hampitombo ny fahasarotan'ny fanasaziany.
Ny anarana "fahotana" dia azo adika amin'ny matoanteny "manota." DH: "araka ny hamaron'ny efa nanotanareo"
Ny fangalarana dia mampiseho fanafihana na fandrombana azy ireo. DH: "izay hanafika ny zanakareo" na "izay handroba ny zanakareo"
"Ka tsy hisy handeha amin'ny lalanareo." Ny ngazana dia tsy misy na inona na inona.
"Rehefa manasazy anareo toy izany Aho" na "raha manafay anareo toy izany Aho"
Ny fanekena ny fanitsiana dia mampiseho ny famaliana araka ny tokony ho izy. Eto, ny famaliana izany araka ny tokony ho izy dia ny fisafidianana ny hankatò izany. DH: "mbola tsy mihaino ny fanitsiako iahany ianareo" na "mbola tsy mankatò Ahy ihany ianareo"
Ny fandehanana dia mampiseho ny fitondrantena. Ny fandehanana manohitra an'Andriamanitra dia mampiseho ny fanoherana Azy. DH: "manohitra Ahy" na "miady manohitra Ahy"
Ny fandehanana dia mampiseho ny fitondrantena. Ny fandehanana manohitra azy ireo dia midika fanoherana azy ireo na fiadina manohitra azy ireo. DH: "Hanohitra anareo ihany koa Aho" na "hiady hanohitra anareo ihany koa Aho"
Ny isa fito dia mampiseho fahafenoana. DH: "Izaho manokana mihitsy no hanasazy imbetsaka anareo" na "Izaho tenako mihitsy no hanasazy mafy anareo"
Ny anarana "fahotana" dia azo aseho amin'ny matoanteny "manota". DH: "satria mbola manota manohitra Ahy hatrany ianareo"
Eto, ny "sabatra" dia mampiseho tafika na fanafihana ataon'ny tafika iray. DH: "Hitondra tafiky ny fahavalo hanohitra anareo Aho" na "hataoko tafihin'ireo tafiky ny fahavalo ianareo"
"izay hanafay anareo"
"nohon'ny tsy fankatoavana ny fanekena" na "satria tsy nankatò ny fanekena ianareo"
DH: "hatambatra ianareo" na "hafenina ianareo"
Eto, ny "ho eo an-tanana" dia midika "eo ambany fahefana" ary manondro ny feharesena manolona ny fahavalo. DH: "handresy anareo ny fahavalonareo"
Ny famotehena ny sakafo izay notehirizin'ny olona na fanatsaharana azy ireo tsy hahazo izany dia resahina toy ny hoe manapaka ny sakafo vatsy. DH: "rehefa mamotika ny sakafo izay notehirizinareo Aho" na "rehefa manatsahatra ny fahafahanareo mahazo sakafo Aho"
Io dia midika fa koba kely ihany no hisy, ary lafaoro kely iray ihany dia ampy asiana ireo ary vehivavy maro no afaka ny indry hampiditra ao amin'izany.
Io dia midika fa sakafo kely ihany no hisy ka tsy maintsy mandrefy ny tokony ho anjaran'ny tsirairay izy ireo.
Ny fihainoana dia mampiseho ny fankatòavana izay nolazainy. DH: "raha tsy mankatò Ahy ianareo"
Ny fandehanana dia mampiseho ny fitondrantena. Ny fandehanana manohitra olona iray dia mampiseho ny fanoherana azy na fiadiana manohitra azy. DH: "manohitra Ahy" na "miady manohitra Ahy"
Ny fandehanana dia mampiseho ny fitondrantena. Ny fandehanana manohitra olona iray dia mampiseho ny fanoherana azy na fiadiana manohitra azy. DH: "hanohitra anareo Aho"
Eto, ny " im-pito avo heny" dia tsy ara-bakiteny. Io dia midika fa Yaveh dia hampitombo ny fahamafisan'ny fanasaziany.
Satria Andriamanitra handefa tafika hanao ireo zavatra ireo, izany dia resahina toy ny hoe hataony. DH: "handefa tafiky ny fahavalo handrava ...hanapaka ...hanary ny fatinareo Aho"
"ny nofo mangatsikanareo"
Andriamanitra dia miresaka ny tsy fahaveloman'ny sampy intsony toy ny hoe velona ka maty. DH: "ireo sampy tsy manan'ainareo"
Satria Andriamanitra handefa tafika hanao ireo zavatra ireo, izany dia resahina toy ny hoe hataony. DH: "Handefa ny tafiky ny fahavalo mba hamadika ny tanananareo ho faharavana sy handrava ny fitoeranareo masina Aho"
Ireo dia toerana izay hanompoan'ny olona ireo sampy raha tokony ho Andriamanitra.
Araka ny tokony ho izy, ny fahafahampon'Andriamanitra amin'ny hanitra dia mampiseho ny fahafahampony amin'izay mandoro ilay fanatitra. Kanefa eto, ny olona dia handoro fanatitra saingy tsy hahafaly an'Andriamlanitra izany. DH: "Handoro fanatitra ianareo, saingy tsy ho faly aminareo Aho"
Io dia mampiseho ny fandefasana tafika mba hanafika azy ireo. DH: "Handefa ny tafiky ny fahavalo mba hanafika anareo Aho" na "handefa ny tafiky ny fahavalo mba hanafika anareo amin'ny sabatra Aho"
DH: "Handao ny taninareo ianareo, ary ireo fahavalonareo dia handrava ny tanànanareo"
Ny olona dia heverina ho mankatò ny lalàn'ny Sabata amin'ny alalan'ny tsy fambolena ny tany isaky ny fito taona. Andriamanitra dia miresaka ny amin'izany toy ny hoe ilay tany dia toy ny olona izay mankatò ny lalàn'ny Sabata sy mitsahatra. DH: "Ary ny tany dia hitsahatra araka ny lalàn'ny Sabata, araka ny fepetra takian'ny lalàn'ny Sabata, ny tany dia tsy ho volena"
Andriamanitra dia miresaka ny tsy fambolena ny tany toy ny hoe olona miala sasatra. DH: "tsy ho volena izany"
Ny fandefasana tahotra ao am-po dia mampiseho ny fampatahorana azy ireo. DH: "Hampitahoriko mafy dia mafy ianareo"
Ny sabatra dia mampiseho ny olona izay vonona ny hamono amin-tsabatra na ny fanafihana ataon'ny tafiky ny fahavalo. DH: "toy ny hoe mitsoaka mandositra ny olona izay mihaza anareo amin-tsabatra ianareo" na "toy ny hoe mitsoaka mandositra ny tafiky ny fahavalo ianareo"
Yaveh dia manohy ny fanoritsoritany izay hitranga amin'ireo Israelita rehefa terena handeha any amin'ny tanànan'ireo fahavalony izy ireo.
Ny sabatra dia mampiseho ny olona izay vonona ny hamono amin-tsabatra na ny fanafihana ataon'ny tafiky ny fahavalo. DH: "toy ny hoe mitsoaka mandositra ny olona izay mihaza anareo amin-tsabatra ianareo" na "toy ny hoe mitsoaka mandositra ny tafiky ny fahavalo ianareo"
Ny fitsanganana eo anoloan'ny fahavalo dia mampiseho ny tsy fahalavoana rehefa manafika na miady manohitra azy ireo ny fahavalo. DH: "hanoherana ny fahavaloneo rehefa manafika anareo izy" na "hiadiana hanoherana ireo fahavalo"
Yaveh dia miresaka ny amin'ny tanin'ny fahavalo toy ny hoe bibi-dia izay hihinana ireo Israelita. Ny teny "mandrapaka" dia manamafy fa maro amin'ireo Israelita no ho faty ao. DH: "ho faty ao amin'ny tanin'ny fahavalonareo ianareo"
"ireo izay tsy maty taminareo"
Ny fahaverezana ao anatin'ny fahotan'izy ireo dia mampiseho ny fahaverezany nohon'ny fahotany.
Ny fandehanana dia mampiseho fitondrantena. Ny fandehanana manohitra an'Andriamanitra dia mampiseho ny fanoherana Azy na fikomiana manohitra Azy. DH: "manohitra Ahy" na "mikomy manohitra Ahy"
Io dia mampiseho ny fanoherana azy ireo" DH: "hanohitra azy ireo"
Eto, ny fiteny "fo tsy voafora" dia manondro ny olona iray manontolo. DH: "raha manetry tena izy ireo fa tsy maniratsira amim-pahamafisan-doha"
Ny "tsarovana" dia fiteny izay midika hoe "tadidiana hatrany." Eto izany dia mampiseho ny fanatanterahana ny fanekeny. DH: "ary dia ho tanterahiko ny fanekena izay nataony tamin'i Jakoba, Isaka, ary i Abrahama"
Ny "tsarovana" dia fiteny izay midika hoe "tadidiana hatrany." Eto izany dia mampiseho ny fanatanterahana ny fampanantenany ny amin'ny tany. DH: "Hanatanteraka ny fampanantenako ny amin'ny tany Aho."
DH: "Ireo vahoakan'Israely dia handao ny tanin'izy ireo"
Yaveh dia mitresaka ny tany toy ny hoe olona izay faly ny amin'ny fitsaharana, satria tsy hisy hamboly eo amin'izany. Izany dia hamela ny tany hiverina ho mamokatra kokoa. DH: "Hahazo tombony ny amin'ny Sabata izany"
Io dia mamarana ny hafatr'Andriamanitra amin'i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay ny amin'ny fitahiana nohon'ny fankatoavana sy ny famaizana nohon'ny tsy fankatoavana.
"Ny "tsarovana" dia fomba fiteny izay midika hoe "tadidiana hatrany." Eto, izany dia mampiseho ny fanatanterahana ny fanekeny tamin'ny razamben'izy ireo"
Io dia mampiseho ny fahalalan'ireo firenena. DH: "amin'ny fahalalan'nireo firenenana" na "ary ireo firenena dia nahalala ny amin'izany"
Io dia mampiseho ireo vahoakan'ny firenena. DH: "eo imason'ireo vahoakan'ny firenena"
1 Niteny tamin'i Mosesy Yaveh ka nanao hoe: 2 "Mitenena amin'ny vahoakan'Israely ka lazao izy ireo hoe: 'Raha misy olona manao voady miavaka amin'i Yaveh, dia ampiasao ireo tombam-bidy mifanaraka aminy. 3 Ny fenitry ny tombanao ho an'ny lahy manomboka amin'ny roapolo ka hatramin'ny enimpolo taona dia tsy maintsy sekely volafotsy dimapolo, araka ny sekelin'ny fitoerana masina. 4 Ho an'ny vavy amin'izany taona izany ihany dia sekely telopolo ny fenitry ny tombanao. 5 Ny fenitry ny tombanao amin'ny dimy hatramin'ny roapolo taona dia tsy maintsy sekely roapolo, ary ho an'ny vavy dia sekely folo. 6 Ny fenitry ny tombanao ho an'ny lahy iray volana hatramin'ny dimy taona dia tsy maintsy sekely volafotsy dimy, ary sekely volafotsy telo ho an'ny vavy. 7 Ny fenitry ny tombanao ho an'ny lahy enimpolo taona no miakatra dia tsy maintsy sekely dimy ambin'ny folo, ary ho an'ny vavy dia sekely folo. 8 Nefa raha tsy afaka ny handoa ny fenitry ny tombana ilay olona manao ny voady, dia tsy maintsy aseho any amin'ny mpisorona ilay olona atolotra, ary hanombana izany olona izany amin'ny vidiny zakan'ilay manao ny voady ny mpisorona. 9 Raha misy olona maniry hanao sorona biby ho an'i Yaveh, ka raha eken'i Yaveh izany, dia ho voatokana ho Azy izany biby izany. 10 Aoka ilay olona tsy hanova na hamadika biby toy izany, ny tsara ho amin'ny ratsy na ny ratsy ho amin'ny tsara. Raha mampifamadika biby iray ho amin'ny iray hafa izy, dia samy tonga masina na izany na ny iray izay nampifamadihana taminy. 11 Kanefa, raha toa ka maloto ilay nanaovan'ilay olona voady homena an'i Yaveh, mba tsy haneken'i Yaveh izany, dia tsy maintsy hitondra ilay biby any amin'ny mpisorona ilay olona. 12 Hanombana izany ny mpisorona, araka ny tombana ivarotana ny biby. Na inona na inona tombana apetraky ny mpisorona amin'ilay biby, dia izany no ho tombany. 13 Raha maniry ny hanavotra izany ny tompony, dia manampy avo dimy henin'ny tombam-bidiny ao amin'ny vidim-panavotan'izany. 14 Rehefa manokana ny tranony ho fanomezana masina ho an'i Yaveh ny lehilahy iray, dia hanombana izany ny mpisorona na ho tsara na ho ratsy. Na inona na inona anombanan'ny mpisorona izany, dia izany no ho izy. 15 Nefa raha maniry hanavotra izany ny tompony izay nanokana ny fonenany, dia tsy maintsy manampy iray ampahadimin'ny tombam-bidiny ao amin'ny vidim-panavotan'izany izy, ka ho azy izany. 16 Raha manokana ny sasany amin'ny taniny ihany ny lehilahy iray, dia ho arakaraka ny lanjan'ny voa ilaina volena amin'izany no ho tombam-bidiny_vary hordea iray homera ho tombanana sekely volafotsy dimapolo. 17 Raha toa ka manokana ny sahany mandritra ny taon-jobily izy, dia hijanona amin'izany ihany ny tombam-bidiny. 18 Kanefa raha manokana ny sahany aorian'ny taon-jobily kosa izy, dia aoka hokajian'ny mpisorona ny tomban'ny saha araka ny isan'ny taona sisa mandra-pahatongan'ny taon-jobily manaraka, ary tsy maintsy hahena ny tombam-bidin'izany. 19 Raha maniry hanavotra ny saha ilay lehilahy izay nanokana izany, dia tsy maintsy manampy iray ampahadimin'ny tombam-bidiny izy, ka ho azy izany. 20 Raha tsy hanavotra ny saha kosa izy, na efa novarotany tamin'olon-kafa ilay saha, dia tsy azo avotana intsony izany. 21 Fa kosa, ilay saha, rehefa avoaka amin'ny taon-jobily, dia ho fanomezana masina ho an'i Yaveh izany, tahaka ny saha izay efa natolotra tanteraka ho an'i Yaveh. Ho an'ny mpisorona izany. 22 Raha manokana saha izay avy novidiany ny lehilahy iray, kanefa tsy anisan'ny tanin-drazany izany saha izany, 23 dia ho vinavinain'ny mpisorona ny tombam-bidin'izany hatramin'ny taon-jobily, ka tsy maintsy aloan'ilay lehilahy ho fanomezana masina ho an'i Yaveh ny tomban'izany amin'izany andro izany. 24 Amin'ny taon-jobily, dia hiverina any amin'ilay lehilahy izay nividianana izany ny tany, any amin'ny tompon'ny tany. 25 Ny tombam-bidy rehetra dia tsy maintsy atao araka ny lanjan'ny sekelin'ny fitoerana masina. Tsy maintsy gera roapolo no mifandraika amin'ny sekely iray. 26 Tsy misy mahazo manokana ny voalohan-teraka amin'ny biby, satria ny voalohan-teraka dia efa an'i Yaveh; na omby na ondry, an'i Yaveh izany. 27 Raha toa ka biby maloto izany, dia mahazo mividy izany amin'ny tombam-bidiny indray ilay tompony, ary tsy maintsy manampy iray ampahadimin'ny tomban'izany. Fa raha tsy avotra kosa ilay biby, dia ho amidy amin'ny tombany voatondro izany. 28 Fa tsy misy zavatra izay atokan'ny lehilahy iray ho an'i Yaveh, avy amin'izay rehetra ananany, na olombelona na biby, na ny tanin-drazany, ka afaka amidy na avotana. Izay rehetra natokana dia masina indrindra ho an'i Yaveh. 29 Tsy misy vidim-panavotana azo aloa ho an'ny olona izay voatokana ho amin'ny faharavana. Tsy maintsy vonoina izany olona izany. 30 Ny ampahafolon'ny vokatra rehetran'ny tany, na voly eny amin'ny tany izany na vokatra avy amin'ny hazo, dia an'i Yaveh. Masina ho an'i Yaveh izany. 31 Raha hanavotra ny ampahafolom-bokany ny lehilahy iray, dia tsy maintsy manampy avo dimy heny amin'ny tomban'izany izy. 32 Raha ny amin'ny ampahafolon'ny omby na ondry, na inona na inona mandalo eo ambany tsorakazon'ny mpiandry ondry, ny iray ampahafolon'izany dia tsy maintsy atokana ho an'i Yaveh. 33 Aoka tsy hitady ny biby tsara na ny ratsy ny mpiandry, ary aoka izy tsy hampifamadika izany. Raha toa ka manakalo izany izy, dia samy masina avokoa na izany na ilay takalony. Tsy azo avotana izany.'" 34 Ireo avy no didy izay nomen'i Yaveh ho an'i Mosesy ho an'ny vahoakan'Israely tany an-Tendrombohitra Sinay.
Eto, ilay voady dia ahitana ny fanoloran-tena na olona hafa ho an'Andriamanitra. DH: "raha misy mivoady hanome olona ho an'Andriamanitra"
Azony atao ny manome volafotsy maro, raha tokony ho olona. DH: "mpiasao ireo tombam-bidy mifanaraka amin'izany mba ho fanomezana ho an'Andriamanitra hasolo ny olona" na "omeo an'Andriamanitra volafotsy maro raha tokony ho olona"
"ny sanda hohefaina" na "ny tsy maintsy hohefainao"
"20 ...60 ...50 ...30"
Raha ilaina ny fampiasana ny mari-danja moderina, dia ireto misy fomba roa hanaovana izany. DH: "singam-bolafotsy dimampolo, izay 10 grama isaky ny singany" na "volafotsy dimanjato grama"
Nisy sekely tamin'ny lanjany hafa. Izany dia ilay nampiasan'ny olona tao amin'ny fitoerana masin'ny trano-lay masina. Izany dia nilanja 11 grama. DH: "ampiasao ny karazan-tsekely izay nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina" na "rehefa mandanja volafotsy ianareo, dia ny lanja izay nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina no ampiasao"
Raha ilaina ny fampiasana ny mari-danja moderina, dia ireto misy fomba roa hanaovana izany. DH: "singam-bolafotsy telopolo, izay folo grama isaky ny singany" na "volafotsy telonjato grama"
"5 ...20 ...10 ...3"
"ny sanda hohefaina" na "ny tsy maintsy hohefainao"
Raha ilaina ny fampiasana ny mari-danja moderina, dia ireto misy fomba roa hanaovana izany. DH: "singam-bolafotsy roapolo" na "volafotsy roanjato grama"
Ny andian-teny "izany tahan-taona izany" sy ny "ny fenitry ny tombanao dia tsy maintsy" dia nesorina, saingy natao mba ho azo. DH: "ary aoka ho selely folo no ho tombam-bidinao ho an'ny vehivavy amin'ireo tahan-taona ireo"
Raha ilaina ny fampiasana ny mari-danja moderina, dia ireto misy fomba roa hanaovana izany. DH: "singam-bolafotsy folo" na "volafotsy zato grama"
Raha ilaina ny fampiasana ny mari-danja moderina, dia ireto misy fomba roa hanaovana izany. DH: "singam-bolafotsy dimy" na "volafotsy dimampolo grama"
Raha ilaina ny fampiasana ny mari-danja moderina, dia ireto misy fomba roa hanaovana izany. DH: "singam-bolafotsy telo" na "volafotsy telopolo grama"
"mihoatra ny enimpolo taona"
"60 ...15 ...10"
Raha ilaina ny fampiasana ny mari-danja moderina, dia ireto misy fomba roa hanaovana izany. DH: "singam-bolafotsy dimy ambin'ny folo" na "volafotsy 150 grama"
Ny andian-teny "izany tahan-taona izany" sy ny "ny fenitry ny tombanao dia tsy maintsy" dia nesorina, saingy natao mba ho azo. DH: "ary aoka ho selely folo no ho tombam-bidinao ho an'ny vehivavy amin'ireo tahan-taona ireo"
DH: "aoka izy hatolony an'ilay mpisorona ilay olona izay omeny"
Yaveh dia manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona.
"voatokana ho an'i Yaveh"
DH: "na izany na ny iray izay nampifanakalozina tamin'izany" na ilay biby dia zo antsoina fotsiny hoe "samy biby"
Raha tsy hanaiky biby ho fanatitra i Yaveh, ilay biby dia resahin atoy ny hoemaloto ara-bakiteny. Mety ho maloto izany satria karazam-biby ihany na satria misy kilema. DH: "raha toa ka tsy ho eken'i Yaveh ilay"
Io dia ny tomban'ny biby izay mendrika ny hividianan'ny olona izany araka ny tokony ho izy.
"maniry ny hiverina hividy izany"
Ny "iray ampahadimy" dia amphany iray amin'ny dimy zaraina mitovy. DH: "aoka izy hizara dimy mitovy ny sandan'ny trano, ka hanampy ampahany iray amin'ireo izy ary hanefa izany rehetra izany"
DH: "ny sandan'ny voa izay ilain'ny olona iray mba hambolena"
ETo, ny "homera" dia mampiseho ny ampahan-tany izay ilaina mila vary hordea mba hambolena mandrakotra izany. DH: "ampahan-tany izay mila vary hordea iray homera mba hambolena mandrakotra izany dia hitombana" na "ny tomban'ny tany izany mila vary hordea iray homera dia"
Ny iray homera dia 220 litatra.
Raha ilaina ny fampiasana ny mari-danja moderina, dia ireto misy fomba roa hanaovana izany. DH: "singam-bolafotsy dimampolo, izay folo grama isaky ny singany" na "volafotsy dimanjato grama"
Ny dia mitranga isaky ny 50 taona. Jereo ny nandikanao ny "jobily" ao amin'ny 25:10.
"hijanona" na "hijanona ho toy izany." DH: "ny tombam-bidin'izany dia tsy miova" na "ny tombam-bidin'izany dia sanda feno" (UDB)
DH: "Tsy maintsy manena ny tombam-bidiny izy"
DH: "tsy azony haverina vidiana intsony izany"
Ny fotoan'ny fanavotana ny saha dia azo lazaina mazava. DH: "Raha tsy manavotra ny saha amin'ny taon-jobily izy"
"taona fiverenana amin'ny laoniny" na "taona mba hamerenanao ny tany." Io dia fotoana tsy maintsy namerenanan'ny Jiosy ny tany amin'ny tena tompony indray ary hanafahany ireo andevo. Jereo ny nandiakanao azy ao amin'ny 25:13.
DH: "izay efa nomen'ilay olona ho an'i Yaveh tanteraka"
Ireo andian-teny roa ireo dia milaza zavatra mitovy. Raha ny marina dia tokony novidiana tamin'ilay tompony ilay tany.
DH: "ilay lehilahy izay nivarotra izany"
DH: "Ny mpiorona dia tsy maintsy mamaritra ny tombam-bidiny"
Ny karazan-danjan-tsekely samihafa. Io dia ilay izay ampiasaina ao amin'ny fitoerana masin'ny trano-lay masina.
Ny tanjon'io fehezanteny io dia ny hilaza ny lanjan-tsekelin'ny fitoerana masina. Ny gera dia mari-danja ambany kely indrindra izay nampiasain'ireo Israelita. DH: "aoka hitovy amin'ny sekely iray ny gera roapolo"
Raha ilaina ny fampiasana ny mari-danja moderina, dia inty misy fomba iray hanaovana izany. DH: "Aoka hilanja folo grama ny sekely iray"
"tsy misy mahazo manokana ho an'i Yaveh"
DH: "tsy maintsy manampy iray ampahadimin'ny tombam-bidin'izany izy"
DH: "raha toa ka tsy haverin'ilay olona vidiana ilay biby"
DH: "aoka hivarotra izany araka ny tombana voatondro ny mpisorona"
DH: "Tsy misy mahazo mivarotra na manavotra ny zavatra izay efa natokan'ilay olona ho an'i Yaveh avy tamin'izay rehetra nanany, na olona izany, na biby, na ny tanin'ny fianakaviny" na "raha misy olona manokana zavatra avy amin'izay hananany ho an'i Yaveh, na olona izany, na biby, na ny tanin'ny fianakaviany, diua tsy azon'iza na iza amidy na avotana izany"
"Ny zavatra rehetra izay atokan'ny olona dia masina indrindra amin'i Yaveh"
DH: "Tsy misy afaka manefa ny vidim-panavotana"
DH: "ho an'ny olona izay efa natokan'i Yaveh ho amin'ny faharavana
Ny anton'ny nanokanana ilay ho amin'ny faharavana dia azo lazaina mazava. DH: "ho an'ny olona izay efa nofaritan'Yaveh ho faty nohon'ny fahotany"
DH: "Aoka ho vonoinao izay olona izany"
"raha misy lehilahy iray mamerina mividy ny ampahafolom-bokany"
Io dia manondro ny fomba hanisan'izy ireo ny biby fimpiny. DH: "rehefa manisa ny biby fiompinao amin'ny alalan'ny fanaingana ny tsorakazon-ny fiambenanao sy manesyazy izay ho amin'ny sisiny ianao" na "rehefa manisa ireo biby fiompinao ianao"
ampahafolon'izany dia tsy maintsy atokana ho an'i Yaveh - DH: "aoka ianao hanokana ny ny ampahafolon'izany ho an'i Yaveh"
ampahafolo* - "isaky ampolon'ny biby"
"ireo biby ireo "
DH: "Tsy afaka manavotra izany izy" na "tsy afaka mamerina mividy izany izy"
Io dia famintinana ny fanambarana. Io dia manondro ireo didy izay nomena ao amin'ireo toko teo aloha.
1 Niteny tamin'i Mosesy teo amin'ny trano-lay fihaonana tany an-tany efitr'i Sinay i Yaveh. Nitranga izany tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa nandritra ny taona faharoa taorian'ny nivoahan'ny vahoakan'Israely avy tany amin'ny tany Egypta. Hoy i Yaveh: 2 "Mitaria fanisam-bahoaka amin'ireo lehilahin'Israely rehetra isan'antokony, ao amin'ny fianakavian-drain'izy ireo. Isao amin'ny anarany izy ireo. Isao ny lahy rehetra, ny lehilahy tsirairay avy 3 izay roapolo taona na mihoatra. Isao daholo ireo izay afaka miady ho miaramila ho an'i Israely. Aoka ho raketinao sy Arona an-tsoratra ny isan'ireo lehilahy amin'ny vondron'izy ireo mitam-piadiana. 4 Lehilahy iray avy amin'ny foko tsirairay avy, lohan'antoko iray, no aoka hanompo miaraka aminao ho mpitari-pokony. Ny mpitarika tsirairay avy dia tsy maintsy mitarika ireo lehilahy izay hiady ho an'ny fokony. 5 Ireto ny anaran'ireo mpitarika izay tsy maintsy miady miaraka aminao: Avy amin'ny fokon'i Robena, Elizora zanak'i Sedeora; 6 avy amin'ny fokon'i Simeona, Selomiela zanak'i Zorisaday; 7 avy amin'ny fokon'i Joda, Nasona zanak'i Aminadaba; 8 avy amin'ny fokon'i Isakara, Netanela zanak'i Zoara; 9 avy amin'ny fokon'i Zebolona, Eliaba zanak'i Helona; 10 avy amin'ny fokon'i Efraima zanak'i Josefa, Elisama zanak'i Ahimoda; avy amin'ny fokon'i Manase, Gamaliela zanak'i Pedazora; 11 avy amin'ny fokon'i Benjamina, Abidana zanak'i Gideony; 12 avy amin'ny fokon'i Dana, Ahiezera zanak'i Amisaday; 13 avy amin'ny fokon'i Asera, Fagiela zanak'i Okrana; 14 avy amin'ny fokon'i Gada, Eliasafa zanak'i Doela; 15 ary avy amin'ny fokon'i Naftaly, Ahira zanak'i Enana." 16 Ireo no lehilahy voatondro teo amin'ny olona. Nitarika ny fokon'ny razambeny izy ireo. Izy ireo no mpitarika ireo antoko tao Israely. 17 Nalain'i Mosesy sy Arona ireo lehilahy ireo, izay noraketina an-tsoratra araka ny anarana, 18 ary niaraka tamin'ireo lehilahy ireo dia nangonin'izy ireo ny lehilahy rehetra tamin'Israely tamin'ny andro voalohan'ny volana faharoa. Ary ny lehilahy roapolo taona na mihoatra tsirairay avy dia namantatra ny razambeny. Tsy maintsy nanome anarana ireo antoko sy fianakaviana taranaka avy amin'ny razambeny izy. 19 Dia noraketin'i Mosesy an-tsoratra ny isan'izy ireo tany an-tany efitr'i Sinay, araka ny nandidian'i Yaveh hataony. 20 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'i Israely, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 21 Niisa 46. 500 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Robena. 22 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Simeona, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 23 Niisa 59. 300 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Simeona. 24 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Gada, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 25 Niisa 45. 650 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Gada. 26 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Joda, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 27 Niisa 74. 600 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Joda. 28 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Isakara, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 29 Niisa 54. 400 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Isakara. 30 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Zebolona, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 31 Niisa 57. 400 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Zebolona. 32 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Efraima, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny fianakaviam-ben'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 33 Niisa 40. 500 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Efraima. 34 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Manase, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 35 Niisa 32. 200 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Manase. 36 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Benjamina, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 37 Niisa 35. 400 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Benjamina. 38 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Dana, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 39 Niisa 62. 700 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Dana. 40 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady rehetra avy amin'ny taranak'i Asera, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 41 Niisa 41. 500 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Asera. 42 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady rehetra avy amin'ny taranak'i Naftaly, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 43 Niisa 53. 400 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Naftaly. 44 Niara-nanisa ireo lehilahy rehetra ireo, niaraka tamin'ny lehilahy roa ambin'ny folo izay nitarika ny foko roa ambin'ny folon'i Israely i Mosesy sy Arona. 45 Ka ireo lehilahin'Israely roapolo taona na mihoatra rehetra, ireo rehetra afaka miady any an'ady, dia nisaina tsirairay tamin'ny fianakavian'izy ireo. 46 Niisa 603. 550 lahy izy ireo. 47 Fa tsy nisaina ireo lehilahy izay taranak'i Levy, 48 satria nilaza tamin'i Mosesy i Yaveh hoe: " 49 Tsy mahazo manisa ny fokon'i Levy ianao na mampiditra azy amin'ny tamba-ben'ny vahoakan'i Israely. 50 Fa kosa, tendreo ireo Levita hitandrina ny tabernakelin'ny didim-panekena, sy hikarakara ny fanaka rehetra ao amin'ny tabernakely sy ny zavatra rehetra ao amin'izany. Aoka hilanja ny tabernakely ny Levita, ary aoka hitondra ireo fanaky ny tabernakely izy ireo. Aoka hikarakara ny tabernakely sy hitoby manodidina izany izy ireo. 51 Rehefa mila afindra ho amin'ny toeran-kafa ny tabernakely, dia aoka hanala izany ny Levita. Rehefa tokony hapetraka ny tabernakely, dia aoka hametraka izany ny Levita. Izay olon-kafa manatona ny tabernakely dia tsy maintsy ho faty. 52 Rehefa mametraka ireo lainy ny vahoakan'Israely, dia aoka anao izany eo akaikin'ny faneva izay an'ny vondrony mitam-piadiana ny lehilahy tsirairay avy. 53 Na izany aza, aoka hametraka ny lainy manodidina ny tabernakelin'ny didim-panekena ny Levita mba tsy ho tonga amin'ny vahoakan'ny Israely ny fahatezerako. Aoka tsy hikarakara ny tabernakelin'ny lalàn'ny fanekem-pihavanana ny Levita." 54 Nanao izany zavatra rehetra izany ny vahoakan'Israely. Nataon'izy ireo izay rehetra nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy.
Io dia anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoakany tao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejin'ny fandikana ny Teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba handikana izany.
"ny andro faha-1n'ny volana faha-2." Io dia ny volana faharoa amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro voalohany dia akaikin'ny fisasahan'ny Aprily amin'ny tetiandro Tandrefana.
"ny taona faha-2"
Izany dia midika hoe manisa ireo lehilahy amin'ny alalan'ny fandraiketana ny anaran'izy ireo. DH: "Isao izy ireo, raketo ny anaran-dehilahy tsirairay avy"
"20 taona"
Io dia manondro ny fanendrena ireo lehilahy ho ao amin'ny vondro-miaramilan'izy ireo.
"mpitarika ny antoko"
"hanampy anao"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Manohy mitanisa ireo mpitarika ireo fokon'i Mosesy i Yaveh.
Manohy mitanisa ireo mpitarika ireo fokon'i Mosesy i Yaveh.
Manohy mitanisa ireo mpitarika ireo fokon'i Mosesy i Yaveh.
DH: "ireo lehilahy izay notendren'i Yaveh"
"nanangona ireo lehilahy ireo"
DH: "izay voarakitra an-tsoratra ny anarany"
"ny andro faha-1 amin'ny volana faha-2." Io dia ny volana faharoa amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro voalohany dia akaikin'ny fisasahan'ny Aprily amin'ny Tetiandro Tandrefana. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Ny fehezanteny faharoa dia midika zavatra tahaka ilay voalohany ihany ary nampiana mba hanazava kokoa.
Eto ny hoe "nanome anarana" dia midika hoe "nilaza". DH: "Tsy maintsy nilaza ny lehilahy tsirairay avy"
DH: "Nisain'izy ireo ny anarana rehetra"
"izay afaka mandeha hiady"
"dimanjato sy enina arivo sy efatra alina lahy"
Io andianteny lava be io dia naverina imbetsaka ao amin'ny fanisam-bahoaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:20. DH: "nisain'izy ireo ny anaran'ny lehilahy tsirairay avy rehetra...ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo"
Io andianteny lava be io dia naverina imbetsaka ao amin'ny fanisam-bahoaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:20. DH: "nisain'izy ireo ny anaran'ny lehilahy tsirairay avy rehetra...ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo"
Io andianteny lava be io dia naverina imbetsaka ao amin'ny fanisam-bahoaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:20. DH: "nisain'izy ireo ny anaran'ny lehilahy tsirairay avy rehetra...ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo"
Io andianteny lava be io dia naverina imbetsaka ao amin'ny fanisam-bahoaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:20. DH: "nisain'izy ireo ny anaran'ny lehilahy tsirairay avy rehetra...ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo"
Io andianteny lava be io dia naverina imbetsaka ao amin'ny fanisam-bahoaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:20. DH: "nisain'izy ireo ny anaran'ny lehilahy tsirairay avy rehetra...ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo"
Io andianteny lava be io dia naverina imbetsaka ao amin'ny fanisam-bahoaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:20. DH: "nisain'izy ireo ny anaran'ny lehilahy tsirairay avy rehetra...ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo"
Io andianteny lava be io dia naverina imbetsaka ao amin'ny fanisam-bahoaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:20. DH: "nisain'izy ireo ny anaran'ny lehilahy tsirairay avy rehetra...ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo"
Io andianteny lava be io dia naverina imbetsaka ao amin'ny fanisam-bahoaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:20. DH: "nisain'izy ireo ny anaran'ny lehilahy tsirairay avy rehetra...ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo"
Io andianteny lava be io dia naverina imbetsaka ao amin'ny fanisam-bahoaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:20. DH: "nisain'izy ireo ny anaran'ny lehilahy tsirairay avy rehetra...ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo"
Io andianteny lava be io dia naverina imbetsaka ao amin'ny fanisam-bahoaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:20. DH: "nisain'izy ireo ny anaran'ny lehilahy tsirairay avy rehetra...ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo"
Io andianteny lava be io dia naverina imbetsaka ao amin'ny fanisam-bahoaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:20. DH: "nisain'izy ireo ny anaran'ny lehilahy tsirairay avy rehetra...ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo"
Io andianteny lava be io dia naverina imbetsaka ao amin'ny fanisam-bahoaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:20. DH: "Koa dia nisain'izy ireo ny lehilahin'Israely rehetra...tsirairay tamin'ny fianakavian'izy ireo"
DH: "Tsy nanisa ireo lehilahy izay taranak'i Levy i Mosesy sy i Arona"
DH: "izay avy amin'ny fokon'i Levy"
Eto ny hoe "fokon'i Levy" dia manondro ireo lehilahy rehetra ao amin'ny fokon'i Levy. DH: "aza manisa ny lehilahy ao amin'ny fokon'i Levy"
Ny tabernakely ihany koa dia antsoina amin'io anarana lava be io satria ny fiara misy ny lalàn'Andriamanitra no nipetraka tao anatin'izany.
Eto ny hoe "izany" dia manondro ny tabernakely.
Asan'izy ireo ny milanja ny tabernakely rehefa mandeha izy ireo. DH: "Rehefa mandeha ianareo, dia ny Levita no tsy maintsy milanja ny tabernakely"
Io dia midika fa tokony hanangana ny lain'izy ireo manodidina ny tabernakely izy ireo. DH: "atsangana manodidina izany ny lain'izy ireo"
DH: "Rehefa fotoana tokony hananganana ny tabernakely"
DH: "Izay olon-kafa...dia tsy maintsy maty" na "Tsy maintsy vonoinareo izay olon-kafa manakaiky ny tabernakely"
"saina lehibe"
"ny vondro-miaramilany"
Ny tabernakely ihany koa dia antsoina amin'io anarana lava be io satria ny fiara misy ny lalàn'Andriamanitra no nipetraka tao anatin'izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:50.
Eto ny tsy fanasaziana ireo Israelita dia resahin'i Yaveh toy ny hoe tsy ho tonga amin'izy ireo ny fahatezerany. Ny andianteny hoe "ho tonga amin'ny" dia manondro ny hatezerany mihatra amin'izy ireo. DH: "mba tsy hanasazy ny vahoakan'Israely ao anatin'ny hatezerako Aho"
Nandidy an'i Mosesy ny zavatra rehetra izay tokony ataon'ireo Israelita i Yaveh, ary avy eo dia nandidy ireo Israelita i Mosesy.
1 Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona indray i Yaveh. Hoy Izy hoe: 2 "Ireo Israelita tsirairay avy dia tsy maintsy mitoby manodidina ny vondrony avy, miaraka amin'ireo fanevan'ny ankohonan-drain'izy ireo. Hitoby manodidina ny lafin'ny trano-lay fihaonana rehetra izy ireo. 3 Ireo hitoby eny antsinanan'ny trano-lay fihaonana, izay hiposahan'ny masoandro, dia izy ireo no tobin'i Joda ary mitoby araka ny vondrony izy ireo. Nasona zanaka lahin'i Aminadaba no mpitariky ny vahoakan'i Joda. 4 Ny isan'ny vahoakan'i Joda dia 74. 600. 5 Ny fokon'Isakara dia tsy maintsy mitoby eo akaikin'i Joda. Netanela zanaka lahin'i Zoara dia tsy maintsy mitarika ny tafik'Isakara. 6 Lehilahy 54. 400 no tao amin'ny fizarany. 7 Ny fokon'i Zebolona dia tsy maintsy mitoby eo anilan'Isakara. Eliaba zanaka lahin'i Helona no tsy maintsy mitarika ny tafik'i Zebolona. 8 Miisa 57. 400 ny ao amin'ny fizarany. 9 Miisa 186. 400 ny isan'ny tobin'i Joda rehetra. Izy ireo no hiainga voalohany. 10 Any amin'ny ilany atsimo no hisy ny tobin'i Robena araka ny vondrony. Ny mpitarika ny tobin'i Robena dia Elizora zanaka lahin'i Sedera. 11 Miisa 46. 500 ny ao amin'ny fizarany. 12 Mitoby eo anilan'i Robena i Simeona. Ny mpitarika ny vahoakan'i Simeona dia i Selomiela zanaka lahin'i Zorisaday. 13 Niisa 59. 300 ny tao amin'ny fizaran'izy ireo. 14 Ny fokon'i Gada dia teo akaiky teo. Ny mpitarika ny vahoakan'Andriamanitra dia i Eliasafa zanaka lahin'i Roela. 15 Miisa 45. 650 ny ao amin'ny fizarany. 16 Miisa 151. 450 ireo rehetra mitoby ao amin'i Robena araka ny fizarany avy. Izy ireo dia hiainga faharoa. 17 Manaraka izany, ny trano-lay fihaonana dia tsy maintsy mivoaka ny toby miaraka amin'ireo Levita eo afovoan'ny toby rehetra. Tokony hivoaka ny toby araka ny filaharana nidiran'izy ireo tao amin'ny toby izy ireo. Ny lehilahy rehetra dia tokony ho eo amin'ny toerany avy, araka ny fanevany. 18 Ireo fizaran'ny tobin'i Efraima dia eo ambanin'ny vondron'izy ireo. Ny mpitarika ny vahoakan'i Efraima dia i Elisama zanaka lahin'i Amihoda. 19 Miisa 40. 500 ny ao amin'ny fizarany. 20 Eo anilan'izy ireo no hisy ny fokon'i Manase. Ny mpitarika an'i Manase dia i Gamaliela zanaka lahin'i Pedazora. 21 Miisa 32. 200 ny ao amin'ny fizarany. 22 Eo anilany no misy ny fokon'i Benjamina. Ny mpitarik'i Benjamina dia Abidana zanaka lahin'i Gideony. 23 Miisa 35. 400 ny ao amin'ny fizarany. 24 Miisa 108. 100 ireo rehetra mitoby ao Efraima. Izy ireo no hiainga fahatelo. 25 Any avaratra no hisy ny fizaran'ny tobin'i Dana. Ny mpitarika ny vahoakan'i Dana dia i Ahiezera zanaka lahin'i Amisaday. 26 Miisa 62. 700 ny ao amin'ny fizarany. 27 Ny vahoakan'ny fokon'i Asera dia nitoby teo anilan'i Dana. Ny mpitarika ny vahoakan'i Asera dia i Pagiela zanaka lahin'i Okrana. 28 Miisa 41. 500 ny ao amin'ny fizarany. 29 Teo anilany ny fokon'i Naftaly. Ny mpitarika an'i Naftaly dia i Asira zanaka lahin'i Enana. 30 Miisa 53. 400 ny ao amin'ny fizarany. 31 Miisa 157. 600 ireo rehetra nitoby niaraka tamin'i Dana. Izy ireo no hiainga ao amin'ny toby farany, eo ambanin'ny fanevan'izy ireo." 32 Ireo no isan'ireo Israelita araka ny fianakavian'izy ireo. Ireo rehetra voaisa tao amin'ny tobin'izy ireo, araka ny fizaran'izy ireo dia 603. 550. 33 Fa Mosesy sy Arona dia tsy nanisa ireo Levita tao amin'ny vahoakan'Israely. Izany dia araka ny efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 34 Ny vahoakan'Israely dia nanao izay rehetra nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. Nitoby araka ireo fanevany izy ireo. Nivoaka ny toby araka ny fokony izy ireo, araka ny filaharan'ny fianakavian'ny razambeny.
Ny ''antokony" dia vondrona lehibe efatra izay nizarana ireo foko. Ny antoko tsirairay dia nobaikoina hiara-hitoby. Ireo antokony dia ambaran'ny faneva iray.
Ny fianakaviana lehibe tsirairay avy ihany koa dia manana faneva eo ambanin'ny toby, izay ao anatin'ny faritra voatondro ho an'ny fanevan'izy ireo.
Ny faneva dia saina lehibe.
Ny ''antokony" dia vondrona lehibe efatra izay nizarana ireo foko. Ny antoko tsirairay dia nobaikoina hiara-hitoby. Ireo antokony dia ambaran'ny faneva iray. Jereo ny nandikanao ny "antoko" ao amin'ny 2:1.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:7 io anaran-dehilahy io.
"eninjato sy efatra arivo sy fito alina"
Manohy milaza amin'i Mosesy izay hitobian'ny foko tsirairay avy sy ny tafik'izany manodidina ny trano-lay fihaonana Yaveh.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:7 io anaran-dehilahy io.
Io dia fomba fiteny ara-tafika hilazana vondrona miaramila maro be. Ny foko tsirairay ihany no "fizarany."
Manohy milaza amin'i Mosesy izay hitobian'ny foko tsirairay avy sy ny tafik'izany manodidina ny trano-lay fihaonana Yaveh.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:7 io anaran-dehilahy io.
Io dia mamaritra ireo lehilahy. DH: "57.400 lahy"
Anatin'io isa io ny lehilahy rehetra ao amin'ny foko izay nitoby teo amin'ny antokon'i Joda. DH: "Ny isan'ny lehilahy nitoby tao amin'ny antokon'i Joda dia 186.400"
Io dia midika fa izy ireo no hiainga voalohany rehefa mifindra ny tobin'ny Israelita. DH: "Rehefa mandeha, dia izy ireo no hiainga voalohany"
"faha-1"
Manohy milaza amin'i Mosesy izay hitobian'ny foko tsirairay avy sy ny tafik'izany manodidina ny trano-lay fihaonana Yaveh.
Ny ''antokony" dia vondrona lehibe efatra izay nizarana ireo foko. Ny antoko tsirairay dia nobaikoina hiara-hitoby. Ireo antokony dia ambaran'ny faneva iray. Jereo ny nandikanao ny "antoko" ao amin'ny 2:1.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io anaran-dehilahy io.
Io dia mamaritra ireo lehilahy. DH: "46.500 lahy"
Manohy milaza amin'i Mosesy izay hitobian'ny foko tsirairay avy sy ny tafik'izany manodidina ny trano-lay fihaonana Yaveh.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io anaran-dehilahy io.
Io dia mamaritra ireo lehilahy. DH: "59.300 lahy"
Manohy milaza amin'i Mosesy izay hitobian'ny foko tsirairay avy sy ny tafik'izany manodidina ny trano-lay fihaonana Yaveh.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:12 io anaran-dehilahy io.
Io dia mamaritra ireo lehilahy. DH: "45.650 lahy"
Anatin'io isa io ny lehilahy rehetra ao amin'ny foko izay nitoby teo amin'ny antokon'i Robena. DH: "Ny isan'ny lehilahy rehetra nitoby tao amin'ny antokon'i Robena, araka ny fizarany, dia 151.450"
"faha-2"
Midika izany fa tsy maintsy lanjain'ireo Levita eo afovoan'ireo foko ny trano-lay fihaonana rehefa mandeha izy ireo.
Ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo foko roa ambiny folo.
Tsy manana ny fanevany manokana ny lehilahy tsirairay avy; fa, io dia manondro ny faneva izay an'ny fokony. DH: "araka ny fanevan'ny fokony"
Manohy milaza amin'i Mosesy izay hitobian'ny foko tsirairay avy sy ny tafik'izany manodidina ny trano-lay fihaonana Yaveh.
Ny ''antokony" dia vondrona lehibe efatra izay nizarana ireo foko. Ny antoko tsirairay dia nobaikoina hiara-hitoby. Ireo antokony dia ambaran'ny faneva iray. Jereo ny nandikanao ny "antoko" ao amin'ny 2:1.
Io dia mamaritra ireo lehilahy. DH: "40.500 lahy"
Manohy milaza amin'i Mosesy izay hitobian'ny foko tsirairay avy sy ny tafik'izany manodidina ny trano-lay fihaonana Yaveh.
Midika izany fa ny fokon'i Manase no hiainga manaraka, aorian'ny fokon'i Efraima.
Io dia mamaritra ireo lehilahy. DH: "32.200 lahy"
Manohy milaza amin'i Mosesy izay hitobian'ny foko tsirairay avy sy ny tafik'izany manodidina ny trano-lay fihaonana Yaveh.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io anaran-dehilahy io.
Io dia mamaritra ireo lehilahy. DH: "35.400 lahy"
Manohy milaza amin'i Mosesy izay hitobian'ny foko tsirairay avy sy ny tafik'izany manodidina ny trano-lay fihaonana Yaveh.
Anatin'io isa io ny lehilahy rehetra ao amin'ny foko izay nitoby teo amin'ny antokon'i Efraima. DH: "Ny isan'ny lehilahy nitoby tao amin'ny antokon'i Efraima dia 108.100"
"faha-3"
Manohy milaza amin'i Mosesy izay hitobian'ny foko tsirairay avy sy ny tafik'izany manodidina ny trano-lay fihaonana Yaveh.
Io dia manondro ireo fizaran'i Dana, Asera, ary Naftaly izay teo amin'ny antokon'i Dana. DH: "ireo fizarana izay nitoby teo amin'ny antokon'i Dana"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io anaran-dehilahy io.
Io dia mamaritra ireo lehilahy. DH: "62.700 lahy"
Manohy milaza amin'i Mosesy izay hitobian'ny foko tsirairay avy sy ny tafik'izany manodidina ny trano-lay fihaonana Yaveh.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io anaran-dehilahy io.
Io dia mamaritra ireo lehilahy. DH: "41.500 lahy"
Manohy milaza amin'i Mosesy izay hitobian'ny foko tsirairay avy sy ny tafik'izany manodidina ny trano-lay fihaonana Yaveh.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io anaran-dehilahy io.
Io dia mamaritra ireo lehilahy. DH: "53.400 lahy"
Manohy milaza amin'i Mosesy izay hitobian'ny foko tsirairay avy sy ny tafik'izany manodidina ny trano-lay fihaonana Yaveh.
Anatin'io isa io ny lehilahy rehetra ao amin'ny foko izay nitoby teo amin'ny antokon'i Dana. DH: "Ny isan'ny lehilahy nitoby tao amin'ny antokon'i Dana dia 157.600"
DH: "Nanisa azy rehetra i Mosesy sy i Arona"
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely.
Io dia manondro ny fotoana nandehanan'izy ireo tany an-toeran-kafa. DH: "Rehefa nandeha izy ireo, dia nivoaka ny toby"
1 Ary izao no tantaran'ny taranak'i Arona sy Mosesy rehefa niteny tamin'i Mosesy tany amin'ny tendrombohitra Sinay i Yaveh. 2 Ny anaran'ireo zanaka lahin'i Arona dia i Nadaba lahimatoa, sy Abiho, Eleazara, ary Itamara. 3 Ireo no anaran'ireo zanaka lahin'i Arona, ireo mpisorona izay voahosotra sy voatokana hanompo ho mpisorona. 4 Fa Nadaba sy Abiho kosa lavo maty teo anatrehan'i Yaveh rehefa nanolotra Azy afo tsy azo ekena tany amin'ny efitr'i Sinay izy ireo. Tsy nanan-janaka i Nadaba sy Abiho, ka dia Eleazara sy Itamara ihany no nanompo ho mpisorona niaraka tamin'i Arona rain'izy ireo. 5 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy izy: 6 "Ento ny fokon'i Levy ka ampisehoy amin'i Arona mpisorona izy ireo mba hanampy azy. 7 Aoka hanao ireo adidy amin'ny anjaran'i Arona sy ny fivondronana manontolo eo anoloan'ny trano-layfihaonana izy ireo. Aoka izy ireo hanompo ao amin'ny tabernakely. 8 Aoka hikarakara ireo fanaka rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo, ary hanampy ireo fokon'Israely hanatanteraka ny asa fanompoana ny tabernakely. 9 Aoka hatolotrao an'i Arona sy ireo zanany lahy ireo Levita. Atolotra manontolo izy ireo mba hanampy azy hanompo ny vahoakan'Israely. 10 Tsy maintsy tendrenao ho mpisorona i Arona sy ireo zanany lahy, fa izay olona hafa firenena tonga manakaiky dia tsy maintsy vonoina ho faty." 11 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy hoe: 12 "Indro, efa naka ireo Levita avy tamin'ireo vahoakan'Israely Aho. Izany no nataoko raha tokony naka ny lahimatoa tsirairay izay teraka tamin'ny vahoakan'Israely. Ahy ireo Levita. 13 Ahy ny voalohan-teraka rehetra. Tamin'ny andro namelezako ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, no nanokanako ho Ahy ny voalohan-terak'Israely rehetra, na ny vahoaka na ny biby fiompy. Ahy ireny. Izaho no Yaveh." 14 Niteny tamin'i Mosesy tany an'efitr'i Sinay i Yaveh. Hoy Izy hoe: 15 "Isao isaky ny ankohonana ny taranak'i Levy, isaky ny ankohonan'ny razamben'izy ireo. Isao ny lehilahy rehetra izay iray volana no ho miakatra." 16 Nanisa azy ireo i Mosesy, araka ny tenin'i Yaveh, araka ny nandidiana azy ho atao. 17 Ny anaran'ireo zanaka lahin'i Levy dia Gersona, Kohata, ary Merary. 18 Ny fianakaviam-be avy amin'ireo zanaka lahin'i Gersona dia Libny sy Simey. 19 Ny fianakaviam-be avy amin'ireo zanaka lahin'i Kohata dia Amrama, Izara, Hebrona, Ary Oziela. 20 Ny fianakaviam-be avy amin'ireo zanaka lahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fianakaviam-ben'ireo Levita, izay nalahatra araka ny fianakaviany avy. 21 Ireo fianakaviam-ben'ireo Libnita sy ireo Simeita dia avy amin'i Gersona. Ireo avy no fianakaviamben'ireo Gersonita. 22 Ny lahy rehetra manomboka iray volana no miakatra dia nisaina, niisa 7. 500. 23 Ny fianakaviam-ben'ireo Gersonita dia hitoby eo amin'ny ilany andrefan'ny tabernakely. 24 Eliasafa zanaka lahin'i Laela no tsy maintsy hitarika ireo fianakaviam-ben'ny taranaky ny Gersonita. 25 Ny fianakavian'i Gersona dia tsy maintsy mikarakara ny trano-lay fihaonana ka ao anatin'izany ny tabernakely. Hikarakara ny trano-lay izy ireo, ny firakony, sy ireo lamba ampiasaina amin'ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana. 26 Tsy maintsy mikarakara ny lamban-kianja izy ireo, ny lamba eo amin'ny fidiran'ny kianja—ny kianja izay mihodidina ny fitoerana masina sy ny alitara. Aoka hikarakara ireo tadin'ny trano-lay fihaonana sy izay rehetra ao aminy izy ireo. 27 Avy amin'i Kohata ireo fianakaviam-be ireo: fianakavian'ny Amramita, ny fianakavian'ny Izarita, ny fianakavian'ny Hebronita, ary ny fianakavian'ny Ozielita. 28 An'ireo Kohatita ireo fianakaviam-be ireo. 8. 600 lahy iray volana no ho miakatra no efa voaisa mba hikarakara ireo fananan'i Yaveh. 29 Ireo fianakavian'ny taranak'i Kohata dia tsy maintsy mitoby mianatsimon'ny tabernakely. 30 Elifaza zanaka lahin'i Oziela no tsy maintsy hitarika ny fianakaviam-ben'ireo Kohatita. 31 Izy ireo no tsy maintsy mikarakara ny fiara, ny latabatra, ny fitoeran-jiro, ireo alitara, ireo zava-masina izay ampiasaina amin'ny fanompoany, ny lamba, ary izay asa rehetra mahakasika izany. 32 Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona no tsy maintsy hitarika ireo lehilahy izay mitarika ireo Levita. Tokony hanara-maso ireo lehilahy izay mikarakara ny fitoerana masina izy. 33 Fianakaviam-be roa no avy amin'i Merary: ny fianakavian'ny Malita sy ny fianakavian'ny Mosita. Ireo fianakaviambe ireo dia avy amin'i Merary. 34 6. 200 lahy iray volana no ho miakatra no efa voaisa. 35 Zoriela zanaka lahin'i Abihaila no tsy maintsy hitarika ireo fianakaviamben'i Merary. Tsy maintsy mitoby mianavaratry ny tabernakely izy ireo. 36 Ny taranak'i Merary dia tokony hikarakara ny rafitry ny tabernakely, ireo barany, tsanganana, faladiany, ny fitaovana rehetra, sy izay rehetra mahakasika ireo, ao anatin'izany 37 ireo andry sy tsanganan'ny kianja izay mihodidina ny tabernakely, miaraka amin'ny faladian'ireo, fihantonan-javatra, sy tady. 38 Mosesy sy Arona ary ireo zanaka lahin'izy ireo dia tsy maintsy hitoby miatsinanan'ny tabernakely, eo anoloan'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro. Izy ireo no tompon'andraikitra ho an'ny fanatanterahana ireo adidy amin'ny fitoerana masina sy ireo adidy amin'ny vahoakan'Israely. Na iza na iza olona hafa firenena manatona ny fitoerana masina dia tsy maintsy ho faty. 39 Mosesy sy Arona nanisa ny lahy rehetra tamin'ny fianakaviam-ben'i Levy izay iray volana no ho miakatra, araka izay nandidian'i Yaveh. Niisa roa arivo sy roa alina izy ireo. 40 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Isao ny voalohan-teraky ny vahoakan'Israely rehetra izay iray volana no ho miakatra. Raiso ny anaran'izy ireo. 41 Aoka halainao ho Ahy ireo Levita—Izaho Yaveh— ho solon'ny voalohan-teraky ny vahoakan'Israely, sy ny biby fiompin'ireo Levita ho solon'ny voalohan-teraky ny biby fiompin'ny taranak'Israely." 42 Mosesy nanisa ny voalohan-teraky ny vahoakan'Israely rehetra araka izay efa nandidian'i Yaveh azy hatao. 43 Nanisa ny lahimatoa rehetra araka ny anarana izy, iray volana no ho miakatra. Nahavoaisa 22. 273 lahy izy. 44 Niteny tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy hoe: 45 "Alaivo ireo Levita ho solon'ny voalohan-teraka amin'ny vahoakan'Israely, ary alaivo ny biby fiompin'ireo Levita ho solon'ny biby fiompin'ny vahoaka. Ahy ireo Levita— Izaho no Yaveh. 46 Manangòna sekely dimy ho an'ny fanavotana isan'olona amin'ireo voalohan-teraky ny vahoakan'Israely izay mihoatra ny isan'ireo Levita. 47 Ampiasao araka ny fenitry ny lanjanao ny sekelin'ny fitoerana masina. Gera roapolo ny sekely. 48 Homenao an'i Arona sy ireo zanany lahy ny vidim-panavotana izay naloanao." 49 Ka dia nanangona ny vidin'ny fanavotana avy tamin'ireo izay nihoatra isa tamin'ireo navotan'ireo Levita i Mosesy. 50 Nanangona ny vola avy tamin'ny voalohan-teraky ny vahoakan'Israely i Mosesy. Nahangona sekely 1. 365 izy, nolanjaina tamin'ny sekelin'ny fitoerana masina. 51 Mosesy nanome ny volam-panavotana ho an'i Arona sy ireo zanany lahy. Mosesy nanao izay nasain'ny tenin'i Yaveh nataony, araka izay efa nandidian'i Yaveh azy.
Eto ny mpanoratra dia mampiasa ny teny hoe "ary" mba hivadika hilaza tantaran'ny boky vaovao.
"Nadaba, izay lahimatoa"
Ireo dia anaran-dehilahy.
DH: "ireo mpisorona izay nosoran'i Mosesy sy natokany"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:1 ireo anaran-dehilahy ireo.
Ny andianteny hoe "lavo maty'' dia midika hoe maty tampoka. DH: "maty tampoka teo anatrehan'i Yaveh"
Io dia manondro ny fanatrehan'i Yaveh, midika fa nahita ny zavatra rehetra izay nitranga i Yaveh. DH: "teo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
Eto ny teny hoe "afo" dia nampiasaina mba hanondroana ny "fandorana ditin-kazo manitra." DH: "nandoro ditin-kazo manitra tamin'ny fomba tsy nankasitrahin'i Yaveh izy ireo"
Eto ny teny hoe "foko" dia manondro ireo lehilahy tao amin'ny foko. DH: "Ento ireo lehilahy ao amin'ny fokon'i Levy" (UDB)
"ho". Io dia midika hoe manao zavatra ho an'olon-kafa, ho solon'izy ireo.
Eto ny hoe" fokon'Israely" dia manondro ny vahoakan'Israely. DH: "hanampy ireo vahoakan'Israely"
Ny teny hoe "hanatanteraka" dia midika hoe "manompo". DH: "tsy maintsy manampy ireo fokon'Israely amin'ny fanompoana ao amin'ny tabernakely izy ireo"
"miasa ho an'ny tabernakely"
Ny "-ao" dia manondro an'i Mosesy.
DH: "Efa nomeko manontolo izy ireo"
DH: "tsy maintsy vonoinareo izay olon-kafa manatona" na "izay olon-kafa manatona dia tsy maintsy ho faty"
Ny tena hevitr'io fanambarana io dia afaka azavaina. DH: "nefa izay olon-kafa manatona ny tabernakely"
"Henoy" na "Henoy izay holazaiko anareo"
"Efa nifidy ireo Levita Aho"
Nandidy an'i Mosesy mba hanisa ireo taranaka lahy ihany i Yaveh. DH: "Isao ireo lehilahy taranak'i"
Eto ny hoe "ankohonan'ny razambe" dia midika hoe "ny ao an-tokantranon'ny razamben'izy ireo". Io dia sarinteny hilazana ny "fokon'izy ireo". DH: "amin'ny fokon'izy ireo"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary nampiasaina miaraka mba hanindriana fa nankatoa an'i Yaveh izy.
Ity no lisitr'ireo taranak'i Levy.
Eto ny mpanoratra dia miresaka ny "taranaka" toy ny hoe "avy amin'ny" izany. DH: "Ireo fianakaviam-be taranak'i"
Eto ny mpanoratra dia miresaka ny "taranaka" toy ny hoe "avy amin'ny" izany. DH: "Ireo fianakaviam-be taranak'i Gersona"
Ny "Libnita" sy "Simeita" dia anarana fianakaviambe, nomena ny anaran'ny lohan'ny fianakavian'izy ireo. Ireo "Gersonita" dia anaran'olona izay taranak'i Gersona.
DH: "Nanisa ireo lehilahy rehetra iray volana no ho miakatra i Mosesy"
"dimanjato sy fito alina"
Ireo dia anaran-dehilahy.
"ireo lamba amin'ny kianja"
"izany dia, ny kianja izay manodidina ny fitoerana masina sy ny alitara"
Ity ny lisitry ny fianakaviam-be izay taranak'i Kehata.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:17 io anaran-dehilahy io.
DH: "Nanisa ireo lehilahy 8.600 i Mosesy"
"manomboka amin'ny iray volana no ho mihoatra"
Ireo andininy ireo dia manome andinindininy momba ireo fianakaviam-be izay taranak'i Kohata.
DH: "ireo zava-masina izay ampiasain'ireo mpisorona amin'ny asa fanompoana"
Ity no lisitr'ireo fianakaviam-be izay taranak'i Merary.
DH: "Nanisa lehilahy 6.200 i Mosesy"
Io dia takelaka izay nataon'izy ireo tamin'ny tapa-kazo kely natambatra miaraka.
Ireo dia andry fanohanana izay mampijoro tsara ny rafitra.
Ny tsangatsangany dia tapa-kazo mafy natao mahitsy sy nampiasaina ho fanohanana.
Mampipetraka ireo tsangatsangany amin'ny toerany ireo faladiany.
Io dia midika hoe ny zavatra rehetra nampiasaina mba hampikambanana ireo bara, ireo tsangatsangany, sy ireo faladiany.
Eto ny hoe "ireo" dia manondro ireo "andry sy tsangatsangany."
Ireo dia ny zavatra rehetra nampiasaina mba hiarovana ny andry sy ny tsangantsangany hipetraka amin'ny toerany.
Eto ny "-ny" dia manondro an'i Arona.
Io dia lafiny atsinanan'ny tabernakely. DH: "eo amin'ny lafiny atsinanana, izay hiposahan'ny masoandro"
Ny teny hoe "fanatanterahana" dia anarana izay afaka avadika ho matoanteny. DH: "mba hanatanteraka ireo adidy"
DH: "Tsy maintsy vonoinao izay olon-kafa manatona ny fitoerana masina" na "Izay olon-kafa manatona ny fitoerana masina dia tsy maintsy maty"
"lehilahy 22.000" na "22.000 lahy"
Io dia manondro ireo biby fiompin'ireo Levita rehetra. DH: "tsy maintsy alainao ny biby fiompin'ireo Levita rehetra"
"ireo zanaka lahimatoa rehetra"
Ny anarana hoe "fanavotana" dia afaka adika ho matoanteny hoe "manavotra". DH: "manavotra"
"ireo zanaka lahimatoan'Israely"
Ny sekely dia mari-pandanjana mira 11 grama eo ho eo. DH: "eo ho eo amin'ny volafotsy 55 grama"
Io dia midika fa misy 273 mihoatra amin'ny fitambaran'isan'ireo Levita lahy ireo lahimatoa eo amin'ireo fokon'Israelita hafa.
Io dia midika fa tsy maintsy lanjaina tahaka ny an'ireo izay ao amin'ny fitoerana masina ny sekely. DH: "Tsy maintsy mampiasa ny lanjan'ireo sekely ao amin'ny toerana masina tahaka ny lanja mahazatra anao ianao"
"gera 20". Ny gera dia mari-pandanjana mira 57 kilao eo ho eo.
Eto ny teny hoe "vidy" dia manondro ireo sekely izay nangonin'i Mosesy. DH: "ny vola izay nangoninao tamin'ny fanavotana azy ireo"
1 Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy Izy hoe: 2 "Manaova fanisana an'ireo lehilahin'ny taranak'i Kehata eo amin'ireo Levita, araka ny fokon'izy ireo sy ny razamben'ny ankohonan'izy ireo. 3 Isao ireo lehilahy rehetra izay telopolo hatramin'ny dimampolo taona. Ireo lehilahy ireo dia tsy maintsy manatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-layfihaonana. 4 Ireo taranak'i Kehata dia tsy maintsy mikarakara ireo zavatra masina indrindra natokana ho Ahy ao amin'ny trano-lay fihaonana. 5 Rehefa miomana hifindra toerana ny toby, dia tsy maintsy miditra ao amin'ny lay i Arona sy ireo zanany lahy, mampidina ny lamba fanakonana izay manasaraka ny toerana masina indrindra amin'ny toerana masina ary manarona ny fiaran'ny vavolombelona miaraka amin'izany. 6 Tsy maintsy manarona ilay fiara amin'ny hodi-takasy izy ireo. Tsy maintsy mamelatra lamba manga eo ambonin'izany izy ireo. Tsy maintsy apetany ireo bao mba hilanjana izany. 7 Tsy maintsy mamelatra lamba manga eo ambonin'ny latabatry ny mofon'ny fanatrehana izy ireo. Izy ireo dia tsy maintsy mametraka ireo lovia, ireo sotro, ireo lovia boribory, ary siny fandrarahana eo ambonin'izany. Tsy maintsy misy mofo foana eo ambonin'ny latabatra. 8 Tsy maintsy saronan'izy ireo amin'ny lamba jaky sy amin'ny hodi-takasy ireo. Tsy maintsy apetak'izy ireo ireo bao mba hilanjana ny latabatra. 9 Tsy maintsy maka lamba manga izy ireo ary manarona ny fitoeran-jiro, miaraka amin'ny fanilon'izany, ireo hety, ireo fitoeran-davenona, ary ireo fitoeran-diloilo rehetra ho an'ireo fanilo. 10 Tsy maintsy apetrak'izy ireo ao anatin'ny fanaronana vita amin'ny hodi-takasy ny fanaovan-jiro sy ireo fitaovana rehetra miaraka amin'izany, ary tsy maintsy apetrak'izy ireo eo ambonin'ny rafitra filanjana izany. 11 Tsy maintsy mamelatra lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena izy ireo. Tsy maintsy manarona izany amin'ny fanaronana vita amin'ny hodi-takasy izy ireo, ary avy eo mametaka ireo bao filanjana. 12 Tsy maintsy maka ireo fitaovana hiasana rehetra any amin'ny toerana masina izy ireo ary mamono izany ao anatin'ny lamba manga. Tsy maintsy manarona izany amin'ny hodi-takasy izy ireo ary mametraka ireo fitaovam-piasana eo amin'ny rafitra filanjana. 13 Tsy maintsy manala ireo lavenona amin'ny alitara izy ireo ary mamelatra lamba voloparasy eo amin'ilay alitara. 14 Tsy maintsy apetrak'izy ireo ny rafitra filanjana ireo fitaovam-piasana rehetra izay ampiasain'izy ireo amin'ny asan'ny alitara. Ireo fitaovana ireo dia ny fitondrana afo, fitreby, lapelina, lovia famafazana, ary ireo fitaovam-piasana hafa rehetra ho an'ny alitara. Tsy maintsy manarona ny alitara amin'ny hodi-takasy izy ireo ary avy eo mametaka ireo bao filanjana. 15 Rehefa avy nanarona tanteraka ny toerana masina sy ireo fitaovam-piasana rehetra niaraka tamin'izany i Arona sy ireo zanany lahy, ary rehefa mifindra toerana ny toby, dia tsy maintsy manatona mba hilanja ilay toerana masina ireo taranak'i Kehata. Raha mikasika ireo fitaovana masina izy ireo, dia tsy maintsy maty. Izao no asan'ireo taranak'i Kehata, dia ny milanja ireo fanaka ao amin'ny trano-lay fihaonana. 16 Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona no manara-maso ny fikarakarana ny solika ho an'ny fanilo, ny ditin-kazo manitra, ny fanatitra voa mahazatra, ary ny diloilo fanosotra. Manara-maso ny fikarakarana ny tabernakely manontolo sy izay rehetra ao anatin'izany izy, dia ilay toerana masina sy ireo fitaovam-piasana rehetra miaraka amin'izany." 17 Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy Izy hoe: 18 "Aza avela ho alàna eo amin'ireo Levita ny fokon'ny fianakaviamben'ny Kehatita. 19 Arovy izy ireo, mba ho velona fa tsy ho faty, amin'ny alalan'ny fanaovana izao. Rehefa manatona ireo zavatra masina indrindra izy ireo 20 dia tsy tokony hiditra mba hijery ny toerana masina na dia fotoana kely aza, sao ho faty izy ireo. Arona sy ireo zanany lahy no tsy maintsy miditra ao, ary avy eo Arona sy ireo zanany lahy dia tsy maintsy manendry ny tsirairay amin'ireo Kehatita amin'ny asany avy, amin'ny andraikiny manokana." 21 Niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy hoe: 22 "Manaova ihany koa fanisana an'ireo taranak'i Gersona, araka ny ankohonan'ny razamben'izy ireo, araka ny fokon'izy ireo. 23 Isao ireo izay telopolo hatramin'ny dimampolo taona. Isao izay rehetra hanatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana. 24 Izao no asan'ireo fokon'ny Gersonita, rehefa manompo izy ireo ary mitondra entana. 25 Tsy maintsy mitondra ireo lamba fanakonana ny tabernakely, ny trano-lay fihaonana, ny fanaronana izany, ny fanaronana vita amin'ny hodi-takasy izay eo amin'izany, ary ireo lamba fanakonana ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo. 26 Tsy maintsy mitondra ireo lamba fanakonana ny fitsaràna izy ireo, ny lamba fanakonana ny vavahadin'ny fitsaràna, izay eo akaikin'ny tabernakely sy eo akaikin'ny alitara, ny tadin'ireo, ary ireo fitaovana rehetra ho an'ny fanompoan'izy ireo. Izay rehetra tokony ho vita amin'ireo zavatra ireo, dia tsy maintsy ataon'izy ireo. 27 Arona sy ny zanany lahy dia tsy maintsy manoro ireo asan'ny taranak'ireo Gersonita rehetra, amin'izay rehetra entin'izy ireo, ary amin'ny fanompoan'izy ireo rehetra. Tsy maintsy tendrenareo amin'ny andraikiny rehetra izy. 28 Izany no fanompoan'ireo fokon'ireo taranaky ny Gersonita ho an'ny trano-lay fihaonana. Itamara zanaka lahin'i Arona mpisorona dia tsy maintsy mitarika azy ireo amin'ny fanompoany. 29 Tsy maintsy manisa ireo taranak'i Merary araka ny fokon'izy ireo ianareo, ary mandahatra azy ireo araka ny ankohonan'ny razamben'izy ireo, 30 manomboka amin'ny telopolo taona no ho mihoatra ka hatramin'ny dimampolo taona. Isao ireo rehetra izay handeha hanatevin-daharana ny antoko sy hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana. 31 Izao no andraikitr'izy ireo sy ny asan'izy ireo amin'ny fanompoan'izy rehetra ho an'ny trano-lay fihaonana. Tsy maintsy mikarakara ny entan'ny tabernakely, ny hidin'izany, ireo andry, ary ireo faladia, 32 miaraka amin'ireo andrin'ny fitsaràna manodidina ny tabernakely, ny faladian'ireo, ireo tsatokany, ary ireo tadiny, miaraka amin'ireo fitaovany rehetra izy ireo. Soraty araka ny anarana ireo fanaka izay tsy maintsy entin'izy ireo. 33 Izao no asan'ireo fokon'ny taranak'i Merary, izay ataon'izy ireo ho an'ny trano-lay fihaonana, eo ambany fitarihan'Itamara zanaka lahin'i Arona mpisorona." 34 Mosesy sy Arona ary ireo mpitarika ny fivondronana no nanisa ireo taranak'i Kehatita araka ny fokon'ny razamben'izy ireo. 35 Nisain'izy ireo manomboka amin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona izy ireo. Nanisa izay rehetra hanatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo. 36 Olona 2. 750 no voaisan'izy ireo araka ny fokony. 37 Mosesy sy Arona dia nanisa ireo olona rehetra tao amin'ireo foko sy ireo fianakavian'ireo Kehatita izay manompo ao amin'ny trano-lay fihaonana. Tamin'ny fanaovana izany, dia nankatoa izay nodidian'i Yaveh ho ataon'izy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo. 38 Ireo taranak'i Gersona dia nisaina tao amin'ny fokon'izy ireo, araka ny ankohonan'ny fianakavian'izy ireo, 39 manomboka amin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona, izay rehetra hiditra ao amin'ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana. 40 Ny olona rehetra, dia nisaina araka ny fokon'izy ireo sy ny ankohonan'ny razamben'izy ireo avy, 2. 630 isa. 41 Mosesy sy Arona dia nanisa ireo fokon'ny taranak'i Gersona izay hanompo ao amin'ny trano-layfihaonana. Tamin'ny fanaovana izany, dia nankatoa izay nodidian'i Yaveh ho ataon'izy ireo amin'ny talalan'i Mosesy izy ireo. 42 Ireo taranak'i Merary dia nisaina tao amin'ny fokon'izy ireo araka ny ankohonan'ny razamben'izy ireo, 43 manomboka amin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona, izay rehetra hiditra ao amin'ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana. 44 Ny olona rehetra, dia nisaina araka ny fokon'izy ireo sy ny ankohonan'ny razamben'izy ireo avy, 3. 200 isa. 45 Nanisa ireo olona rehetra ireo i Arona sy Mosesy, dia ireo taranak'i Merary. Tamin'ny fanaovana izany, dia nankatoa izay nodidian'i Yaveh ho ataon'izy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo. 46 Koa nanisa ireo Levita rehetra araka ny fokon'izy ireo tao amin'ny fianakavian'ny razambeny 47 nanomboka tamin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona i Mosesy, Arona, ary ireo mpitarik'Israely. Nisain'izy ireo izay rehetra hiasa ao amin'ny tabernakely, sy izay hitondra ary hikarakara ireo fanaka ao amin'ny trano-lay fihaonana. 48 Olona 8. 580 no voaisan'izy ireo. 49 Araka ny didin'i Yaveh, dia nanisa ny olona tsirairay i Mosesy, araka ny karazan'asa izay nanendrena azy avy. Nanisa ny olona tsirairay araka ny karazan'andraikitra nosahaniny avy izy. Tamin'ny fanaovana izany, dia nankatoa izay nodidian'i Yaveh ho ataon'izy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:17 io anaran-dehilahy io.
"30 hatramin'ny 50 taona"
Ny teny hoe "antoko" dia manondro ny ambin'ny vahoaka izay miasa ao amin'ny trano-lay fihaonana.
DH: "izay nosafidiako manokana ho Ahy"
Eto ny hoe "toby" dia manondro ny olona rehetra ao an-toby. DH: "Rehefa miomana ny olona"
Io dia manondro ny olona mifindra any amin'ny toerana hafa. DH: "hifindra any amin'ny toerana hafa"
Ny teny hoe "izany" dia manondro ny lamba izay manasaraka ny toerana masina indrindra amin'ny toerana masina.
Napetaka tamin'ny mason-drojo eo amin'ireo lafin'ny alitara ireo bao mba ahafahana milanja ny fiara amin'ireo bao ireo. Afaka ambara mazava izany. DH: "apetaho ao amin'ny mason-drojo eo amin'ireo lafin'ny fiara ireo bao"
Io mofo io dia manambara ny fanatrehan'i Yaveh. DH: "ny mofon'ny fanatrehan'i Yaveh"
Eto ny hoe "izany" dia manondro ny lamba manga.
Ny hevitr'io fanambarana io feno dia afaka atao mazava. DH: "ireo lovia jobo sy ireo siny nampiasaina mba handrarahana ireo fanatitra sotroina"
Eto ny hoe "ireo" dia manondro ireo lovia, ireo sotro, ireo lovia jobo, ary ireo siny."
"Tsy maintsy misy mofo lalandava eo"
"lamba mena"
Ireo bao dia napetaka tao amin'ny mason-drojo eo amin'ireo zoron-databatra mba ho azo ampiasaina hilanjana ny latabatra ireo bao. Io dia afaka ambara mazava. DH: "napetaka tao amin'ireo mason-drojo teo amin'ireo zoron-databatra ireo bao"
"Tsy maintsy saronan'izy ireo amin'ny fanaronana hodi-takasy"
"tsy maintsy mametraka ireo zavatra rehetra ireo eo amin'ny rafitra mba hilanjana izany izy ireo" (UDB)
Ireo bao dia napetaka tao amin'ny mason-drojo eo amin'ireo lafin'ny alitara mba ho azo hilanjana izany ireo. Io dia afaka ambara mazava. DH: "napetaka tao amin'ireo mason-drojo teo amin'ireo lafin'ny alitara ireo bao"
hazo efa-joro nasiana bao mba hilanjana zavatra
Ny teny hoe "asa" dia anarana izay afaka ambara ho matoanteny hoe "manompo". DH: "nampiasaina rehefa manompo an'i Yaveh ao amin'ny toerana masina"
Ny teny hoe "asa" dia anarana izay afaka ambara ho matoanteny hoe "manompo". DH: "nampiasaina rehefa manompo eo amin'ny alitara"
Ireo bao dia napetaka tao amin'ny mason-drojo eo amin'ireo lafin'ny alitara mba ho azo hilanjana izany ireo. Io dia afaka ambara mazava. DH: "napetaka tao amin'ireo mason-drojo teo amin'ireo lafin'ny alitara ireo bao"
Eto ny fitoerana masina dia manondro ireo zavatra rehetra izay nananganana ny fitoerana masina izay nosaronan'i Arona sy ireo zanany lahy lamba sy hoditra. DH: "mba hilanja ireo zavatry ny fitoerana masina rehetra"
Eto ny teny hoe "toby'' dia manondro ny vahoaka rehetra ao an-toby. DH: "rehefa mifindra ny vahoaka"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:17 io anaran-dehilahy io.
"ireo fanaka masina"
Eto ny teny hoe "fanilo" dia natao hanondroana ny "jiro". DH: "ny solika ho an'ny jiro"
Eto ny anarana hoe "fikarakarana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "ireo izay mikarakara"
Io dia manondro ireo taranak'i Kehata. Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:27 io anaran-dehilahy io.
Io andianteny io dia manondro ny fahafatesan'ireo Kehatita. DH: "manao izay rehetra mahatonga Ahy hanala tanteraka azy ireo eo amin'ireo Levita"
Io andianteny io dia manondro izay holazain'i Yaveh manaraka. Hiaro ireo Kehatita amin'ny famelana azy ireo hiditra sy hijery ny fitoerana masina i Mosesy.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary nampiarahina mba hanasongadinana.
Io dia manondro ireo lehilahy ihany. DH: "an'ireo lehilahy taranak'i Gersona"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:17 io anaran-dehilahy io.
"30 hatramin'ny 50 taona"
Ny teny hoe "antoko" dia manondro ny ambin'ny vahoaka izay miasa ao amin'ny trano-lay fihaonana. Jereo ny nandikanao io andianteny io ao amin'ny 4:1.
Io fehezanteny io dia fanoritsoritana izay milaza antsika hoe momba ny inona ireo andininy manaraka. Io fehezanteny io dia mifarana amin'ny faingo raha tokony hoe ho fe-potoana, tahaka ny ao amin'ny UDB izany.
Io dia manondro ireo taranak'i Gersona. Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 3:21 izany.
Io dia lamba ivelany izay napetraka teo ambonin'ny lamban'ny trano-lay fihaonana. DH: "ny fandrakofana vita amin'ny hodi-takasy izay teo ambonin'izany" na "ny fanaronana ivelany vita tamin'ny hodi-takasy"
DH: "Izay asa takian'ireo zavatra rehetra ireo"
"manara-maso"
Eto ny teny hoe "fanompoana" dia anarana ary afaka ambara amin'ny matoanteny. Eto ny teny hoe "Izany" dia manondro izay vao nolazain'i Yaveh. DH: "Izany no fomba hanompoan'ireo fokon'ireo taranak'ireo Gersonita ao amin'ny trano-lay fihaonana"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:1 io anaran-dehilahy io.
Io dia manondro ireo lehilahy irery ihany. DH: "ireo lahy taranak'i Merary"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:17 io anaran-dehilahy io.
"mitanisa azy ireo"
"30 taona...50 taona"
Ny teny hoe "antoko" dia manondro ny vahoaka sisa miasa ao amin'ny trano-lay fihaonana. Jereo ny nandikanao io andianteny io ao amin'ny 4:1.
Ny "Izao" dia manondro izay holazain'i Yaveh manaraka.
Eto ny hoe "ireo" dia manondro ireo tsangantsangan'ny kianja.
Ireo dia ampahan'ny rafitry ny tabernakely rehetra. Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 4:31 io anaran-dehilahy io.
"Tanisao araka ny anaran'ny lehilahy tsirairay avy ireo zavatra tsy maintsy entina"
Ny teny hoe "fitarihana" dia anarana izay afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "araka ny nanoroan'i Itamara zanak'i Arona mpisorona azy ireo"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:1 io anaran-dehilahy io.
Io dia manondro ireo lehilahy. DH: "ireo taranak'ireo Kehatita lahy"
Io dia manondro ireo taranak'i Kehata. Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:27 io anaran-dehilahy io.
"30 taona...50 taona"
Eto ny teny hoe "tokony" dia tsy midika fa "nifidy" ny ny hanatevina ny antoko ireo lehilahy fa kosa "notendrena" ho ao amin'ny antoko izy ireo. DH: "ny olona rehetra izay notendrena hanatevina ny antoko"
Ny teny hoe "antoko" dia manondro ny vahoaka sisa miasa ao amin'ny trano-lay fihaonana. Jereo ny nandikanao io andianteny io ao amin'ny 4:1.
"dimampolo sy fitonjato sy roa alina"
Io dia manondro ireo lehilahy. DH: "ireo taranak'ireo Gersona lahy"
DH: "Nisain'i Mosesy sy Arona ireo taranak'i Gersona"
"30 taona...50 taona"
Eto ny teny hoe "tokony" dia tsy midika fa "nifidy" ny ny hanatevina ny antoko ireo lehilahy fa kosa "notendrena" ho ao amin'ny antoko izy ireo. DH: "ny olona rehetra izay notendrena hanatevina ny antoko"
Ny teny hoe "antoko" dia manondro ny vahoaka sisa miasa ao amin'ny trano-lay fihaonana. Jereo ny nandikanao io andianteny io ao amin'ny 4:1.
DH: "izay nisain'i Mosesy sy Arona araka ny fokon'izy ireo"
"2.630 lahy"
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro an'i Mosesy sy Arona.
DH: "Nanisa an'i Mosesy sy Arona ireo taranak'i Merary"
"30 taona...50 taona"
Eto ny teny hoe "tokony" dia tsy midika fa "nifidy" ny ny hanatevina ny antoko ireo lehilahy fa kosa "notendrena" ho ao amin'ny antoko izy ireo. DH: "ny olona rehetra izay notendrena hanatevina ny antoko"
Ny teny hoe "antoko" dia manondro ny vahoaka sisa miasa ao amin'ny trano-lay fihaonana. Jereo ny nandikanao io andianteny io ao amin'ny 4:1.
DH: "izay nisain'i Mosesy sy Arona araka ny fokon'izy ireo"
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro an'i Mosesy sy Arona.
Io dia manondro ireo lehilahy. DH: "ireo lehilahy manomboka amin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo"
"manomboka amin'ny 30 hatramin'ny 50"
"Araka ny nandidian'i Yaveh"
Ireo andianteny roa ireo dia misy heviny iray ihany ary nampiarahina mba hanindriana ny fomba nanisan'i Mosesy ny lehilahy rehetra.
DH: "araka ny karazan'asa voatendry" na "araka ny karazan'asa notendreny hataon'ny olona tsirairay hatao"
"izay hataony"
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro an'i Mosesy sy Arona.
1 Yaveh niresaka tamin'i Mosesy. Hoy Izy hoe: 2 "Didio ny vahoakan'Israely mba handroaka ny rehetra misy aretin-koditra hiala ao amin'ny toby, ary izay rehetra misy fery mitsika, ary izay rehetra maloto tamin'ny fikasihana faty. 3 Na lehilahy na vehivavy, dia aoka halefanao hiala ao amin'ny toby izy ireo. Aoka tsy handoto ny toby izy ireo, satria ao no mitoetra Aho." 4 Dia nanao izany ny vahoakan'Israely. Dia nalefan'izy ireo hiala tao amin'ny toby izy ireo, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. Dia nankatoa an'i Yaveh ny vahoakan'ny Israely. 5 Niresaka tamin'i Mosesy indray Yaveh. Hoy Izy: 6 "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely. Rehefa manao fahotana ny lehilahy na ny vehivavy tahaka ny ifanaovan'ny olona, ary tsy mahatoky amiko, dia meloka izany olona izany. 7 Ary tsy maintsy miaiky ny fahotana izay efa vitany izy. Tsy maintsy honerany tanteraka ny vidin-kelony ary hanampy ny avo dimy heny amin'ny vidiny. Tsy maintsy hanome izany amin'iray izay nanaovany ny tsy mety izy. 8 Fa raha tsy manana havana hakaiky mba handray ny onitra ilay niharan'ny tsy mety, dia tsy maintsy honerany amiko amin'ny alalan'ny mpisorona ny vidin-kelony, miaraka amin'ny ondry iray ho fanavotana ny tenany. 9 Ny fanatitry ny vahoakan'Israely rehetra, ireo zavatra izay natokana sy nentina tany amin'ny mpisorona avy amin'ny vahoakan'Israely, dia ho azy avokoa. 10 Ireo fanatitry ny olona rehetra dia ho an'ny mpisorona; raha misy manome zavatra ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany." 11 Dia niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy: 12 "Miresaha amin'ny voahoakan'Israely. Lazao izy ireo hoe: 'Raiso hoe mivadika ny vadin-dralehilahy ary manota amin'ny vadiny. 13 Ary raiso hoe misy lehilahy hafa miara-mandry aminy. Amin'izany, dia voaloto izy. Na dia tsy hitan'ny vadiny aza izany na fatany ny momba izany, ary na dia tsy misy na iray aza mahatratra azy eo am-panaovana izany ary tsy misy na iray aza mijoro vavolombelona miampanga azy, 14 na dia izany aza, ny fanahin'ny hasarotam-piaro dia mampahafantatra hatrany amin'ny lahy fa voaloto ny vadiny. Kanefa, ny fanahin'ny hasarotam-piaro dia ho avy handainga amin'ilay lehilahy rehefa tsy voaloto ny vadiny. 15 Amin'ny tranga tahaka izany, ilay lehilahy dia tokony hitondra ny vadiny ho any amin'ny mpisorona. Tsy maintsy mitondra fanatitra sotroina ho azy ny vadiny. Tsy maintsy hitondra kobam-bary ampahafolon'ny efaha izy. Tsy mahazo mandraraka menaka na ditin-kazo manitra amin'izany izy satria fanatitra varin'ny hasarotam-piaro izany, fanatitra hohanina ho famantarana ny mety ho fisian'ny fahotana. 16 Aoka hitondra azy akaiky ary hametraka azy eo anatrehan'i Yaveh ny mpisorona. 17 Aoka haka ny sinin-drano voahasina ary haka vovoka avy amin'ny tanin'ny tabernakely ny mpisorona. Aoka hanisy ny vovoka ao anatin'ilay rano izy. 18 Ny mpisorona hametraka ilay vehivavy eo anatrehan'Andriamanitra ary hamaha ny volo eo an-dohan'ilay vehivavy. Hapetany eo amin'ny tanany ny fanatitra voa fahatsiarovana, izay fanatitra voan'ny ahiahy. Hitazona mafy ny rano mangidy izay mety hitondra ozona amin'ny tanany ny mpisorona. 19 Hametraka ilay vehivavy ho ambanin'ny fianianana ny mpisorona ary hilaza aminy hoe: "Raha mbola tsy nisy lehilahy hafa nanao firaisana ara-nofo taminao, ary raha tsy naniasia sy nanao fahalotoana, dia afaka amin'ity rano mangidy izay mety hitondra ozona ity. 20 Fa raha ianao, izay vehivavy voafatotry ny vadiny, no efa naniasia, ary raha voaloto ianao, ary raha nisy lehilahy hafa niara-nandry taminao, 21 dia, (tsy maintsy ny mpisorona no mampanao fianianana izay afaka mitondra ny ozona aminy amin'ilay vehivavy, ary dia tsy maintsy hanoy resaka amin'ilay vehivavy izy) 'Yaveh hanao anao anaty ozona izay haseho amin'ny vahoakanao ho toy izany. Dia hitranga izany raha ataon'i Yaveh mihalò ny fenao ary mivonto ny kibonao. 22 Ity rano izay mitondra ozona ity dia hiditra ao amin'ny vavoninao ary hampivonto ny kibonao ary harary ireo fenao.' Dia aoka hamaly ravehivavy hoe: "Eny, avelao hiseho izany raha meloka aho.' 23 Aoka hanoratra ireto ozona ireto ao amin'ny horonan-taratasy ny mpisorona, ary aoka hodioviny ao amin'ny rano mangidy ireo ozona voasoratra. 24 Aoka hampisotro ny rano mangidy izay mitondra ozona ho an'ny vehivavy ny mpisorona. Ilay rano izay mitondra ozona dia hiditra ao aminy ary hanjary hangidy. 25 Aoka hanala fanatitra voan'ny hasarotam-piaro amin'ny tanan'ny vehivavy izy. Aoka hitazona ny fanatitra voa eo anatrehan'i Yaveh ary hitondra izany eo amin'ny alitara izy. 26 Aoka haka fanatitra voa eran'ny tanana ho fanatitra fanehoana ny mpisorona, ary handoro izany eo amin'ny alitara. Dia aoka homeny ny vehivavy ny rano tena mangidy mba hosotroina. 27 Rehefa omeny azy ny rano ho sotroina, raha voaloto satria efa nanota tamin'ny vadiny izy, dia hiditra aminy ny rano izay mitondra ozona ary lasa hangidy. Hivonto ny kibony ary harary ny feny. Ho voaozona eo amin'ny olony ilay vehivavy. 28 Fa raha tsy voaloto kosa ilay vehivavy ary raha madio izy, dia tsy maintsy ho afahana. Ary afaka hanana anaka izy. 29 Izany no lalàn'ny hasarotam-piaro. Izany no lalàna ho an'ny vehivavy izay mania amin'ny vadiny ary voaloto. 30 Izany no lalàna ho an'ny lehilahy manana ny fanahin'ny hasarotam-piaro rehefa saro-piaro amin'ny vadiny izy. Aoka izy hitondra ny vehivavy eo anatrehan'i Yaveh, ary aoka ny mpisorona hanao aminy izay rehetra voafaritr'io lalànan'ny hasarotam-piaro io. 31 Ary dia ho afaka amin'ny fahamelohana ny amin'ny fitondrana ny vadiny teo amin'ny mpisorona ny lehilahy. Aoka hitondra ny heloka izay mety hananany ilay vehivavy."
Io dia manondro ny habokana, izay aretina mahazo ny hoditra sy mora mifindra amin'ny olona hafa.
Io dia manondro ny tataka be izay mitete tsiranoka.
Raha misy olona nikasika faty dia heverina ho maloto izy ireo. Ny olona izay tsy eken'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe olona maloto ara-batana izy ireo.
Eto ny hoe "-nareo" dia manondro ny vahoakan'Israely.
Midika izany fa nandroaka ny olona maloto izy ireo. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "Nandroaka ireo izay maloto hiala ny toby ny vahoakan'Israely"
"izay fahotana ataon'ny olona mampifanohitra matetika"
Raha misy olona mifanota, dia midika izany fa nanota tamin'i Yaveh ihany koa izy ireo ary heverin'i Yaveh fa tsy mahatoky Aminy izany olona izany. DH: "nanao tsy mety tamiko ihany koa izy ireo"
Eto ny "fahotan'ny" olona dia tondroina toy ny hoe "helony". DH: "izay heverina ho vola sahaza ny tsy nety izay nataony"
Io dia midika fa tsy maintsy mandoa vidy mihoatra ampahadimin'izay tokony aloany ilay olona.
Io dia ampahany mitovy amin'ny zara dimy.
Matetika ny olona diso dia mandray ny onitra nefa raha maty izany olona izany dia lasa any amin'ny havana akaiky ny onitra. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "Nefa raha maty ilay olona diso ary tsy manana havana akaiky mba handoa ny onitra"
DH: "raha nodisoina ilay olo-meloka"
Raha misy olona nandoa onitra tamin'ny mpisorona mba hanonitra noho ny helony dia tahaka ny hoe nanonitra tamin'i Yaveh ihany ilay olona.
Ny fanavotana dia natao nohon'ny fahotan'ny olona. Eto dia manondro ny fahotan'ilay olona toy ny hoe "tenany" i Yaveh. DH: "mba hanavotana noho ny fahotany"
DH: "ireo zavatra izay natokan'ny vahoakan'Israely sy nentiny teo amin'ny mpisorona"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary mety nampiarahina mba hanambarana fa ireo fanatitra izay omen'ny olona dia an'ny mpisorona izay nomen'izy ireo izany.
Io dia zavatra izay mety hitranga. Lazain'i Yaveh amin'i Mosesy izay hatao raha mitranga izany.
Midika io fa miala aminy izy ary tsy mahatoky aminy. DH: "ny vadin-dralehilahy dia tsy mahatoky"
Midika izany fa tsy mahatoky amin'ny vadiny izy ary manota aminy amin'ny fandriana miaraka amin'ny lehilahy hafa. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "nanota tamin'ny vadiny tamin'ny nandriany niaraka tamin'ny lehilahy hafa"
"ary misy lehilahy hafa miara-mandry aminy." Io fehezanteny io dia afaka soratana ho ampahan'ny fehezanteny teo aloha. Manazava izany fa nanota tamin'ny vadiny izy. Zavatra izay mety hitranga izany. Mbola lazain'i Yaveh amin'i Mosesy ihany izay hatao raha mitranga izany.
DH: "nandoto ny tenany izy...nandoto ny tenany ny vadiny...tsy naloto ny vadiny"
Io dia manondro ny fijangajangana. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "eo am-pijangajangana" na "miara-mandry aminy"
Eto ny teny hoe "fanahy" dia manondro ny toe-tsain'ny olona sy ny fihetseham-pony. Ny "hasarotam-piaro" dia resahina toy ny hoe olona izay miresaka aminy izany. DH: "mety ho saro-piaro ny lahy ary lasa miahiahy"
Eto ny teny hoe "fanahy" dia manondro ny toe-tsain'ny olona sy ny fihetseham-pony. Ny hevitry ny hoe "ho avy amin'ny" ny fanahy dia midika fa nanomboka nahazo ireo fahatsapana hasarotam-piaro ireo izy. DH: "mety mahatsapa hasarotam-piaro amin'ny tsy antony ny lehilahy"
Io dia ampahany iray amin'ny zara folo mitovy.
Io dia afaka soratana amin'ny fandrefesana amin'izao fotoana izao. DH: "ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny 2 litatra eo)" na "2 litatra"
"fanatitra hohanina ho an'ny hasarotam-piaro"
Ny "famantarana" dia zavatra izay maneho zavatra mazava. Eto, dia manao fanatitra mba hamantarana na nijangajanga ny vadiny na tsia izy.
"eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh." Hitondra azy akaikin'ny alitara ny mpisorona. DH: "akaikin'ny alitara ary hametraka azy eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh" (UDB)
"eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 5:15 io andianteny io.
Ny teny hoe "maniasia" dia fomba fiteny izay midika hoe "tsy mahatoky". DH: "raha tsy mahatoky amin'ny vadiny ianao"
"amin'ny fanaovana fahalotoana." Io andianteny io dia manondro ny "fijangajangana"
Ny andianteny hoe "ho afaka" amin'ny zavatra iray dia midika hoe tsy voaisy ratsy tamin'izany. DH: "tsy hampaninona anao izany rano mangidy izany, na dia afaka"
Eto ny rano mangidy dia soritsoritana toy ny hoe afaka mitondra ozona. Midika izany fa rehefa misotro ilay rano ilay vehivavy dia mahatonga azy tsy ho afaka hiteraka izany, raha meloka izy. DH: "ity rano mangidy ity dia afaka manozona anao"
Io andianteny io dia midika fa ambany fifehezan'ny vadiny izy. DH: "ambany fifehezan'ny vadiny"
Ny teny hoe "maniasia" dia fomba fiteny izay midika hoe "tsy mahatoky". DH: "tsy mahatoky amin'ny vadinao"
DH: "efa nandoto ny tenanao ianao"
Ny andianteny hoe "mitondra ozona" dia fomba fiteny midika hoe hisy ozona ho tonga aminy. DH: "izay mahatonga ozona ho tonga aminy"
Eto ny mpanoratra dia miresaka momba ilay vehivavy milanja ny ozona izay nomen'i Yaveh azy, izay nahatonga ny olona hafa hanozona azy. Io dia resahina toy ny hoe lasa ozona mihitsy ilay vehivavy. DH: "Satria manozona anao Yaveh, dia hanozona anao ihany koa ny olona hafa, ary hasehon'i Yaveh amin'ny olona fa tena voaozona marina ianao"
DH: "izay hasehony amin'ny vahoakanao ho toy ny ozona
Ireo mety ho heviny dia 1) fa ho lasa tsy afaka hiteraka ilay vehivavy na 2) fa ho afa-jaza aloha be ilay vehivavy ka ho faty ilay zaza.
Eto ny teny hoe "fe" dia fomba mihaja hanondroana ny kibon'ilay vehivavy na ireo faritra saropady. DH: "tsy ilaina ny kibonao"
Midika io fa tokony hamafa ny ranomainty hiala amin'ny horonan-taratasy izy.
DH: "ireo ozona izay nosoratany"
Amin'ireto andininy ireto dia mifangaro be ihany ny filaharan'ireo tranga, nosoratana tahaka izao izany mba hanindriana ny fomba hitondran'ny rano ny ozona. Toy ny hoe misotro ilay rano ilay vehivavy, mandoro ny fanatitra ny mpisorona, ary avy eo misotro ny rano indray ilay vehivavy. Misotro ny rano indray mandeha ihany izy, tahaka ny nanazavana azy tao amin'ny dikan-teny UDB.
Mety hanampy be ny fandaminana ny fampahalalana ao amin'ireo andininy ireo amin'ny fametrahana ny andininy faha-24, izay manome fampahalalana momba ilay vehivavy misotro ilay rano, aorian'ny andininy faha-26. Mandika ireo andininy ireo tahaka izany ny UDB.
Ny fanatitra voa eran'ny tanana dia manambara ny fanatitra voa manontolo. Midika izany fa an'i Yaveh ny fanatitra manontolo.
"fanatitra voan'ny hasarotam-piaro." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 5:15.
DH: "raha nandoto ny tenany tamin'ny"
Eto ny hoe "nanota" dia manondro manokana ny fijangajangana. Ny hevitr'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "nijangajanga"
Ireo mety ho heviny dia 1) fa ho lasa tsy afaka hiteraka ilay vehivavy na 2) fa ho afa-jaza aloha be ilay vehivavy ka ho faty ilay zaza. Eto ny teny hoe "fe" dia fomba mihaja hanondroana ny kibon'ilay vehivavy na ireo faritra saropady. Jereo ny nandikanao ireo foto-kevitra ireo ao amin'ny 5:20.
DH: "Hanozona azy ny vahoakany"
DH: "tsy nandoto ny tenany"
Eto ny "tsy manan-tsiny" dia resahina toy ny hoe "madio."
Ireo mety ho heviny dia 1) "dia tsy ho ozonina izy" na 2) "dia afaka amin'ny helony izy."
"lasa bevohoka"
"ny lalàna ampiasaina amin'ny hasarotam-piaro"
Ny teny hoe "mania" dia fomba fiteny izay midika hoe "tsy mahatoky." DH: "izay tsy mahatoky amin'ny vadiny"
DH: "ary mandoto ny tenany"
Io andianteny io dia manondro ny toe-tsain'ny olona sy ny fahatsapany ho saro-piaro. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 5:13. DH: "izay saro-piaro"
Io dia fomba fiteny izay midika fa miahiahy izy fa efa tsy nahatoky taminy tamin'ny nandriany niaraka tamin'ny lehilahy hafa ny vadiny. DH: "ary miahiahy fa efa tsy nahatoky taminy ny vadiny" na ''sy niahiahy fa niara-nandry tamin'ny lehilahy hafa ny vadiny"
"eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
"tsy ho meloka amin'ny fanaovana zavatra tsy mety amin'ny fitondrana ny vadiny eo amin'ny mpisorona"
"tsy maintsy hizaka"
1 Yaveh niteny tamin'i Mosesy. Hoy Izy hoe: 2 "Mitenena amin'ny vahoakan'i Israely. Lazao amin'izy ireo hoe: 'Raha misy lehilahy na vehivavy mitokan-tena ho an'i Yaveh amin'ny voady manokan'ny Nazirita, 3 dia aoka hifady divay na zava-pisotro mahery izy. Aoka tsy hisotro vinaingitra natao tamin'ny divay na tamin'ny zava-pisotro mahery izy. Aoka tsy hisotro ranom-boaloboka izy na hihinana voaloboka tsara na voaloboka maina. 4 Amin'ny andro rehetra izay hitokanany ho Ahy, dia aoka tsy hihinana na inona na inona izay vita amin'ny voaloboka izy, anisan'izany ny zavatra rehetra vita hatramin'ny voany ka hatramin'ny hodiny. 5 Mandritra ny fotoan'ny voadim-pitokanany rehetra, dia tsy hisy hareza hampiasaina amin'ny lohany mandra-pahatapitry ny andron'ny fitokanany ho an'i Yaveh. Aoka hatokana ho an'i Yaveh izy. Aoka hamela ny volony hihalava amin'ny lohany izy. 6 Mandritra ny fotoana rehetra izay hitokanany ho an'i Yaveh, dia aoka tsy hanakaiky faty izy. 7 Aoka tsy handoto ny tenany izy eny fa na dia ho an'ny rainy, reniny, rahalahiny, na anabaviny aza, raha maty ireo. Izany dia satria efa nitokana ho an'Andriamanitra izy, izay hitan'ny olona amin'ny halavan'ny volony. 8 Mandritra ny fotoan'ny fitokanany rehetra dia masina izy, voatokana ho an'i Yaveh. 9 Raha misy olona maty tampoka eo akaikiny ka mandoto ny lohany voamasina, dia aoka hanaratra ny lohany izy amin'ny andron'ny fanadiovana azy—amin'ny andro fahafito no tsy maintsy hanaratany izany. 10 Amin'ny andro fahavalo dia aoka hitondra voromailala roa na zana-boromailala roa ho an'ny mpisorona eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana izy. 11 Aoka hanolotra vorona iray ho fanatitra nohon'ny ota ary iray hafa ho fanatitra dorana ny mpisorona. Ireo dia hanonitra azy satria nanota tamin'ny naha-teo akaikin'ny faty azy izy. Aoka hanamasina ny lohany indray izy amin'izany andro izany. 12 Aoka hanoka-tena ho an'i Yaveh mandritra ny andron'ny fanamasinana azy izy. Aoka hitondra zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra noho ny heloka izy. Ny andro nialohan'ny nandotoany ny tenany dia aoka tsy hisaina, satria nolotoina ny fahamasinany. 13 Izany no lalàna momba ny Nazirita rehefa feno ny fotoan'ny fitokanany. Aoka ho entina eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana izy. 14 Aoka hanolotra ny fanatiny ho an'i Yaveh izy. Aoka hanolotra zanak'ondry lahy herintaona sady tsy misy kilema ho fanatitra dorana izy. Aoka hanolotra zanak'ondry vavy herintaona sady tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota izy. Aoka hitondra ondrilahy izay tsy misy kilema ho fanati-pihavanana izy. 15 Aoka hitondra mofo tsy misy lalivay eran'ny harona, mofo vita amin'ny kobam-bary tsara toto miharo menaka, mofo manify tsy misy lalivay natsoboka tao amin'ny menaka, miaraka amin'ny fanatitra hohanina sy fanatitra sotroina ihany koa izy. 16 Aoka hanolotra ireo eo anatrehan'i Yaveh ny mpisorona. Aoka hanolotra ny fanatitra noho ny otany sy ny fanatitra dorany izy. 17 Miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira eran'ny harona, no aoka hanolorany ny ondrilahy ho sorona, dia ny fanati-pihavanana ho an'i Yaveh. Aoka hanolotra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra sotroina ihany koa ny mpisorona. 18 Aoka hanaratra ny lohany ilay Nazirita ho fanehoana ny fitokanany ho an'Andriamanitra eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana. Aoka haka ny volo eo an-dohany izy ka handefa izany ao anaty afo izay ao ambanin'ny sorona ho fanati-pihavanana. 19 Aoka haka ny soroky ny ondrilahy mangotraka, singa-mofo tsy misy lalivay ao amin'ny harona, ary mofo manify tsy misy lalivay iray ny mpisorona. Aoka hametraka ireo eo an-tanan'ilay Nazirita izy rehefa avy nanaratra ny lohany hanehoana ny fitokanany izy. 20 Ny mpisorona dia aoka hanevaheva ireo ho fanatitra eo anatrehan'i Yaveh, anjara masin'ny mpisorona, miaraka amin'ny tratra izay nahevaheva sy ny fe izay natolotra ho an'ny mpisorona. Aorian'izay, dia afaka misotro divay ilay Nazirita. 21 Izany no lalàna ho an'ny Nazirita izay mivoady hitondra ny fanatiny ho an'i Yaveh ho an'ny fitokanany. Na inona na inona mety omeny, dia aoka hitandrina ireo adidin'ny voady nataony izy, mba hitàna ny fampanantenana lazain'ny lalàna ho an'ny Nazirita.'" 22 Niteny tamin'i Mosesy indray Yaveh. Hoy Izy: 23 "Mitenena amin'i Arona sy ireo zanany lahy. Lazao hoe: 'Tsofinareo rano amin'izao fomba izao ny vahoakan'i Israely. Lazaonao amin'izy ireo hoe: 24 "Hitahy anao sy hiaro anao anie Yaveh. 25 Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie Yaveh. 26 Hijery anao amim-pankasitrahana sy hanome fiadanana anao anie Yaveh.'" 27 Amin'izany fomba izany no tsy maintsy hametrahan'izy ireo ny anarako eo amin'ny vahoakan'ny Israely. Dia hitahy azy ireo Aho."
Ny hoe ''manasaraka ny tenanao amin'ny olona" dia midika hoe "manolotra ny tenanao" ho an'izany olona izany. DH: "manokana ny tenany...manokana ny tenany izy"
Io fomba fiteny io dia midika fa tsy mahazo misotro na misotro izany izy. DH: "tsy azo misotro"
DH: "vinaingitra izay vita amin'ny divay"
zava-pisotro novokarina rehefa nalona ela be ny voaloboka sy ireo zava-pisotro mahery hafa ary lasa marikivy
Afaka manazava ny fampahalalana mazava ianao. DH: "na vinaingitra izay ataon'ny olona avy amin'ny zava-pisotro mahery"
"voaloboka maina"
DH: "manasaraka ny tenany ho Ahy izy"
DH: "na inona na inona izay ataon'ny olona amin'ny voaloboka"
Ireo zavatra roa ireo dia nomena mba hanindriana fa tsy azo hohanina ny voaloboka manontolo"
Io dia fomba fiteny. Eto ny "fitokanana" dia midika hoe "fanoloran-tena" DH: "voadim-panolorana"
DH: "tsy misy hampiasa hareza eo amin'ny lohany"
Ny teny hoe "fitokanana" dia anarana izay afaka ambara amin'ny matoanteny. Eto ny hoe "fitokanana" dia fomba fiteny izay midika hoe "fanolorana". DH: "ireo andro izay nanokanany ny tenany tamin'i Yaveh" na "ireo andro izay nanolorany ny tenany tamin'i Yaveh"
DH: "vita...ho an'i Yaveh"
DH: "Tsy maintsy hanokan-tena ho an'i Yaveh izy"
Eto ny hoe "fanokanana" dia midika hoe "fanolorana". DH: "nanolotra...nanolotra...fanolorany"
Ny olona izay tsy ankasitrahan'ny tanjon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe olona maloto ara-batana.
DH: "nitokan-tena izy"
Ny anarana hoe "fitokanany" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "izay efa nitokanany"
DH: "nanokan-tena ho an'i Yaveh izy" na "natokana ho an'i Yaveh"
Eto ny hoe "loha" dia manambara ny volon'ny lehilahy Nazirita, izay amantarana ny voadiny. DH: "mandoto ny volo lavany izay hanehoana amin'ny olona rehetra fa efa nanokan-tena ho an'Andriamanitra izy" na "lasa maloto izy"
Ny anarana hoe "fanadiovana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "amin'ny andro izay hanaovany ny tenany ho ankasitrahan'Andriamanitra"
"ny andro faha-7"
"andro faha-8"
"mandritra ny fotoana nanokanana azy indray"
Tokony hitondra zanak'ondry any amin'ny mpisorona ilay lehilahy mba ho azo hamasinina izany. Ny hevitra fenon'ireo fanambarana ireo dia afaka atao mazava. DH: "Tsy maintsy mitondra zanak'ondry lahy herintaona any amin'ny mpisorona ho fanatitra noho ny ota izy"
DH: "Tsy tokony manisa ireo andro talohan'ny nandotoany ny tenany izy"
DH: "nandoto ny tenany izy" na "nanao ny tenany ho tsy ankasitrahana izy"
Eto ny hoe "fitokanana" dia midika hoe "fanolorona". Io anarana io ihany koa dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "fanolorana azy" na "izay nanolorany tena"
DH: "Tsy maintsy mitondra azy ny olona" na "Tsy maintsy mandeha izy"
Tsy maintsy mitondra ny fanatiny any amin'ny mpisorona mba hamasinina ho an'i Yaveh izy. Ny dika fenon'io fanambarana io dia afaka ambara mazava. DH: "Tsy maintsy manolotra ny fanatiny ho an'i Yaveh amin'ny fitondrana izany any amin'ny mpisorona mba hamasinana izany izy" na "Tsy maintsy mitondra ny fanatiny any amin'i Yaveh amin'ny fitondrana izany any amin'ny mpisorona izay hanamasina izany izy"
DH: "mofo tsy nasiana lalivay"
DH: "kobam-bary tsara toto izay nafangaro tamin'ny menaka"
DH: "mofo manify tsy misy lalivay izay natsobony tao amin'ny menaka"
sombi-mofo fisaka
Ny teny hoe "ireo" dia manondro ireo fanatitra hafa izay nolazaina ny lehilahy Nazirita mba ho entiny. Matetika ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra sotroina dia takiana mba ampiarahina amin'ny karazan-tsorona hafa. Ny hevitr'io fanambarana io feno dia afaka atao mazava. DH: "miaraka amin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra sotroina izay takian'i Yaveh mba ampiarahina amin'ireo fanatitra hafa"
Ny hoe "izy" dia manondro ny mpisorona ary ny hoe "-ny" dia manondro ilay lehilahy izay nanao voady.
"ho fanati-pihavanana"
Afaka manazava ny fampahalalana azo ianao. DH: "Tsy maintsy manolotra...fanatitra sotroina ho an'i Yaveh ihany koa ny mpisorona"
Eto ny hoe "fitokanany'' dia midika hoe "fanolorana". Io anarana io ihany koa dia afaka soratana amin'ny matoanteny. DH: "fanehoana ny fanoloran-tenany" na "fanehoana fa nanokan-tena izy"
Midika izany fa nampangotraka ny soroky ny ondrilahy izy. DH: "ny soroky ny ondrilahy izay nampangotrahany"
Eto ny hoe "fitokanana" dia midika hoe "fanolorana". Io anarana io ihany koa dia afaka ambara amin'ny matoanteny hoe "nanokana". DH: "hanehoana ny fanolorana" na "hanehoana fa nanolo-tena ho an'i Yaveh izy"
Taorian'ny nanolorana ireo zavatra tamin'ny Nazirita, dia namerina izany mba hanolorana izany amin'i Yaveh ny mpisorona. Ny hevitr'io fanambarana feno io dia afaka azavaina. DH: "Dia tsy maintsy mamerina izany ary manevaheva ireo ny mpisorona"
"sy ny"
DH: "izay nahevahevan'ny mpisorona"
DH: "izay natolony"
Eto ny hoe "fitokanana" dia midika hoe "fanolorana". Io anarana io ihany koa dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "ny fanoloran-tenany" na "mba hanolorany tena ho an'i Yaveh"
Io dia manondro ny Nazirita izay nanapa-kevitra ny hanome fanatitra hafa ankoatra izay nandidiana azy mba homeny. Ny hevitr'io fanambarana io feno dia afaka atao mazava. DH: "Raha manapa-kevitra ny hanome fanatitra fanampiny izy"
"tsy maintsy mankatoa ireo takian'ny voady nataony hatrany izy"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary nampiarahina mba hanindriana fa tsy maintsy mankatoa ireo adidin'ny voadiny izy.
DH: "ny fampantenana izay tondroin'ny lalàn'ny Nazirita"
Io dia fomba fiteny.
Io dia fomba fiteny izay midika hoe manana fikasana tsara amin'ny olona. Afaka ambara amin'ny tsiky izany. DH: "mitsiky aminao" (UDB) na "hijery anao amin'ny hatsaram-panahy"
Eto ny andianteny hoe "hijery" dia midika hoe maneho fihetsika tsara amin'izany olona izany. DH: "maneho sitraka aminao"
Eto i Yaveh dia miresaka momba ny fanambarana ireo Israelita toy ny hoe Azy amin'ny filazana fa manome ny "anarany" ho azy ireo Izy. DH: "tsy maintsy hamela ny vahoakan'Israely hahafantatra fa Ahy izy ireo"
1 Tamin'ny andro nahavitan'i Mosesy ny tabernakely, dia nosorany izany ary natokany ho an'i Yaveh, niaraka tamin'ny fanaka rehetra. Nataony toy izany koa ny alitara sy ny fanaka rehetra. Nosorany izany ary natokany ho an'i Yaveh. 2 Tamin'izany andro izany dia nanolotra sorona ireo mpitarik'Israely, sy ireo lohan'ny fianakavian'ny razambeny. Ireo lehilahy ireo no nitarika ny foko. Izy ireo no nanara-maso ny fanisana ny olona tamin'ny fanisam-bahoaka. 3 Nentin'izy ireo teo anatrehan'i Yaveh ny fanatitr'izy ireo. Nitondra sarety misarona enina sy omby roa ambin'ny folo izy ireo, ary ny mpitarika tsirairay dia nitondra omby iray. Nitondra sarety iray isaky ny mpitarika roa avy izy ireo, ary ny mpitarika tsirairay dia nitondra omby iray avy. Naterin'izy ireo teo anatrehan'ny tabernakely ireo zavatra rehetra ireo. 4 Dia niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy hoe: 5 "Ekeo ny fanatitra avy amin'izy ireo ary ampiasao ho amin'ny asa ao amin'ny trano-lay fihaonana ny fanatitra. Omeo an'ireo Levita ireo fanatitra, dia amin'ny tsirairay araka ny ilain'izy ireo amin'ny asany avy." 6 Nalain'i Mosesy ireo sarety sy ireo omby, ary nomeny an'ireo Levita. 7 Nanome sarety roa sy omby efatra ho an'ny taranak'i Gersona izy, nohon'ny filan'izy ireo amin'ny asany. 8 Nanome sarety efatra sy omby valo ho an'ny taranak'i Merary izy, ho eo amin'ny fiahian'i Itamara zanak'i Arona mpisorona. Nataony izany noho izay notakian'ny asan'izy ireo. 9 Fa tsy nanome na inona na inona tamin'ireo zavatra ireo ho an'ny taranak'i Kehata izy, satria ny azy ireo dia asa mifandraika amin'ny zavatra izay an'i Yaveh izay ho lanjainy eo an-tsorony. 10 Nanolotra ireo fanomezany ireo mpitarika mba ho an'ny fanokanana ny alitara tamin'ny andro izay nanosoran'i Mosesy ny alitara. Nanolotra ny sorony teo anoloan'ny alitara ireo mpitarika. 11 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Aoka ny mpitarika tsirairay hanolotra ny sorony amin'ny androny avy ho an'ny fanokanana ny alitara." 12 Tamin'ny andro voalohany, dia Nasona zanak'i Aminadaba, avy amin'ny fokon'i Joda, no nanolotra ny sorony. 13 Ny sorony dia lovia volafosty iray milanja sekely 130 sy lovia jobo iray milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Ireo zavatra ireo dia samy feno divay sy lafarina tsara toto miharo menaka hatao fanatitra hohanina. 14 Nanome lovia volamena iray milanja sekely folo sady feno ditin-kazo manitra izy. 15 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona, ho fanatitra dorana izy. 16 Nanome osilahy ho fanatitra nohon'ny ota izy. 17 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy dimy izay herintaona, ho sorona hatao fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Nasona zanak'i Aminadaba. 18 Tamin'ny andro faharoa, Netanela zanak'i Zoara, mpitarik'i Isakara, no nanolotra ny sorony. 19 Nanolotra lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo izy ho sorony, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 20 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 21 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona, ho fanatitra dorana ihany koa izy. 22 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 23 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona hatao fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Netanela zanak'i Zora. 24 Tamin'ny andro fahatelo, Eliaba zanak'i Helona, mpitarika ireo taranak'i Zebolona, no nanolotra sorona. 25 Ny sorony dia lovia volafotsy iray milanja sekely 130, ary lovia jobo iray milanja sekely fitopolo araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho an'ny fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 26 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 27 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 28 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 29 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy dimy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Eliaba zanak'i Helona. 30 Tamin'ny andro fahefatra, Elizora zanak'i Sedeora, mpitarika ireo taranak'i Robena, no nanolotra ny sorony. 31 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo iray milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 32 Nanome lovia volamena iray milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 33 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondy iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 34 Nanome osilahy ho fanatitra nohon'ny ota izy. 35 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy dimy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Elizora zanak'i Sedora. 36 Tamin'ny andro fahadimy, Selomiela zanak'i Zorisaday, mpitarika ny taranak'i Simeona, no nanolotra ny sorony. 37 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 38 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 39 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 40 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 41 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Selomiela zanak'i Zorisaday. 42 Tamin'ny andro fahenina, Eliasafa zanak'i Doela, mpitaraka ny taranak'i Gada, no nanolotra ny sorony. 43 Ny sorony dia lovia volafotsy iray milanja sekely 130 sy lovia jobo iray milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 44 Nanome lovia volamena iray milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 45 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 46 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 47 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Eliasafa zanak'i Doela. 48 Tamin'ny andro fahafito, Elisama zanak'i Amihoda, mpitarika ny taranak'i Efraima, no nanolotra ny sorony. 49 Ny sorony dia lovia volafotsy irsekely ay milanja 130 sy lovia jobo iray milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 50 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 51 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 52 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 53 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Elisama zanak'i Amihoda. 54 Tamin'ny andro fahavalo, Gamaliela zanak'i Pedazora, mpitarika ny taranak'i Manase, no nanolotra ny sorony. 55 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely topolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 56 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 57 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 58 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 59 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Gamaliela zanak'i Pedazora. 60 Tamin'ny andro fahasivy, Abidana zanak'i Gideony, mpitarika ny taranak'i Benjamina, no nanolotra ny sorony. 61 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 62 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 63 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 64 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 65 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Abidana zanak'i Gideony. 66 Tamin'ny andro fahafolo, Ahiezera zanak'i Amisaday, mpitarika ny taranak'i Dana, no nanolotra ny sorony. 67 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 68 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 69 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 70 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 71 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Ahiezera zanak'i Amisaday. 72 Tamin'ny andro fahiraika ambin'ny folo, Pagiela zanak'i Okrana, mpitarika ny taranak'i Asera, no nanolotra ny sorony. 73 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopol, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 74 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 75 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 76 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 77 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Pagiela zanak'i Okrana. 78 Tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo, Ahira zanak'i Enana, mpitarika ny taranak'i Naftaly, no nanolotra ny sorony. 79 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 80 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 81 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 82 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 83 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Ahira zanak'i Enana. 84 Natokan'ireo mpitarika ny Israely tamin'ny andro nanosoran'i Mosesy ny alitara ireo zavatra ireo. Natokan'izy ireo ny lovia volafotsy roa ambin'ny folo, ireo lovia jobo roa ambin'ny folo, ary ireo lovia volamena roa ambin'ny folo. 85 Ny lovia volafotsy tsirairay dia samy nilanja sekely 130 avy ary ny lovia jobo dia nilanja sekely fitopolo avy. Ireo fanaka volafosty rehetra dia nilanja sekely 2. 400, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. 86 Ny tsirairay amin'ireo lovia volamena roa ambin'ny folo, feno ditin-kazo manitra, dia nilanja sekely folo araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Ny lovia volamena rehetra dia nilanja sekely 120. 87 Natokan'izy ireo avokoa ireo biby ho fanatitra dorana, dia ombilahy roa ambin'ny folo, ondry roa ambin'ny folo, ary zanak'ondry lahy herintaona roa ambin'ny folo. Nomen'izy ireo ny fanatitra hohaniny. Nanome osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra nohon'ny ota izy ireo. 88 Nanome ombilahy efatra amby roapolo, ondry enimpolo, osilahy enimpolo, ary zanak'ondry lahy herintaona enimpolo avy tamin'ny biby fiompiny izy ireo, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana. Izany dia ho an'ny fanokanana ny alitara taorian'ny nanosorana azy. 89 Rehefa niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana mba hiresaka tamin'i Yaveh i Mosesy, dia nandre ny feony niteny taminy izy. Niteny taminy avy teo ambonin'ny saronam-panavotana teo amin'ny fiaran'ny vavolombelona, avy teo anelanelan'ny kerobima anankiroa Yaveh. Niresaka taminy Izy.
"Namita ny fananganana ny tabernakely i Mosesy"
Ireo andianteny roa ireo dia manoritsoritra vondron'olona iray ihany amin'ny fomba roa samy hafa. DH: "ireo mpitarik'Israely izay lohan'ny fianakavian'ny razamben'izy ireo"
Eto ireo mpitarika ny fianakavian'ny razambeny dia tondroina toy ny hoe "loha". DH: "ireo mpitarika ny fianakavian'ny razamben'izy ireo"
Ny anarana hoe "fanisana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "efa nanampy an'i Arona sy Mosesy mba hanisa ireo lehilahy" (UDB)
Midika izany fa nanome ny fanatitr'izy ireo ho an'i Yaveh izy ireo ary nitondra izany teo amin'ny tabernakely. Ireo andianteny ireo dia mety atambatra mba hanampy fanazavana. DH: "Nitondra ny fanatitr'izy ireo tamin'i Yaveh izy ireo ary nanolotra izany taminy teo anoloan'ny tabernakely"
"sarety misarona 6 sy omby 12"
"amin'ny tsirairay araka ny ilaivany izany amin'ny asany"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:17 ireo anaran-dehilahy ireo.
"satria izany no nilain'izy ireo mba hanaovana ny asan'izy ireo"
"teo ambany fanaraha-mason'i Itamara zanak'i Arona mpisorona" na "Itamara zanak'i Arona mpisorona no nanara-maso ny asan'izy ireo"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:1 io anaran-dehilahy io.
Ny hoe "-ny" dia manondro an'i Mosesy.
"satria izany no nilain'izy ireo hanaovana ny asan'izy ireo"
Io dia manondro ireo sarety sy ireo omby.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:17 io anaran-dehilahy io.
"ny asan'izy ireo dia ho"
Afaka manazava ny hevitra mazavan'izay an'i Yaveh ianao. DH: "ireo zavatra izay natokan'i Yaveh ho an'ny tabernakely"
"nanolotra fanomezana"
"Isan'andro, dia tsy maintsy manolotra ny sorony ny mpitarika iray"
"andro faha-1"
Ireo dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:7.
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. DH: "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy sasany" na "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy 430 grama"
"lovia jobo volafotsy milanja sekely 70." Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. DH: "lovia jobo volafotsy milanja manakaikikaiky ny valo ampahafolo kilao" na "lovia jobo milanja 770 grama"
Misy sekely samy hafa lanja. Io ilay iray izay nampiasain'ny olona ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny lay masina. Raha mandika ireo lanja amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao ianao, ity no fomba hafa handikana io andianteny io. DH: "nolanjaina tamin'ny lanja mahazatra nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina"
DH: "lafarina tsara toto izay nafangarony tamin'ny menaka"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao io. DH: "lovia volamena iray milanja ampahafolon'ny kilao" na "lovia volamena iray izay milanja 110 grama"
"izay samy herintaona avy"
"Izany no natolotr'i Nasona zanak'i Aminadaba"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:7 io anaran-dehilahy io.
"ny andro faha-2"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:7 io anaran-dehilahy io.
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny iray kilao sy sasany" na "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy 430 grama"
"lovia jobo volafotsy milanja sekely 70". Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia jobo volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny valo ampahafolo kilao" na "lovia jobo volafotsy iray milanja 770 grama"
Misy sekely samy hafa lanja. Io ilay iray izay nampiasain'ny olona ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny lay masina. Raha mandika ireo lanja amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao ianao, ity no fomba hafa handikana io andianteny io. DH: "nolanjaina tamin'ny lanja mahazatra nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina"
DH: "lafarina tsara toto izay nafangarony tamin'ny menaka"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volamena iray milanja ampahafolo kilao" na "lovia volamena iray milanja 110 grama"
"izay samy herintaona avy"
"Izany no natolotr'i Netanela zanak'i Zora"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 2:12 io anaran-dehilahy io.
"ny andro faha-3"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:7 io anaran-dehilahy io.
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny iray kilao sy sasany" na "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy 430 grama"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia jobo volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny valo ampahafolo kilao" na "lovia jobo volafotsy iray milanja 770 grama"
Misy sekely samy hafa lanja. Io ilay iray izay nampiasain'ny olona ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny lay masina. Raha mandika ireo lanja amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao ianao, ity no fomba hafa handikana io andianteny io. DH: "nolanjaina tamin'ny lanja mahazatra nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina"
DH: "lafarina tsara toto izay nafangarony tamin'ny menaka"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volamena iray milanja valo ampahafolo kilao" na "lovia volamena iray milanja 110 grama"
"izay samy herintaona avy"
"Izany no nomen'i Eliaba zanak'i Helona ho sorona"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:7 io anaran-dehilahy io.
"ny andro faha-4"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io anaran-dehilahy io.
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny iray kilao sy sasany" na "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy 430 grama"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia jobo volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny valo ampahafolo kilao" na "lovia jobo volafotsy iray milanja 770 grama"
Misy sekely samy hafa lanja. Io ilay iray izay nampiasain'ny olona ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny lay masina. Raha mandika ireo lanja amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao ianao, ity no fomba hafa handikana io andianteny io. DH: "nolanjaina tamin'ny lanja mahazatra nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina"
DH: "lafarina tsara toto izay nafangarony tamin'ny menaka"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volamena iray milanja valo ampahafolo kilao" na "lovia volamena iray milanja 110 grama"
"izay samy herintaona avy"
"Izany no nomen'i Elizora zanak'i Sedeora ho sorona"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io anaran-dehilahy io.
"ny andro faha-5"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io anaran-dehilahy io.
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny iray kilao sy sasany" na "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy 430 grama"
"lovia jobo volafotsy milanja 70 sekely." Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia jobo volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny valo ampahafolo kilao" na "lovia jobo volafotsy iray milanja 770 grama"
Misy sekely samy hafa lanja. Io ilay iray izay nampiasain'ny olona ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny lay masina. Raha mandika ireo lanja amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao ianao, ity no fomba hafa handikana io andianteny io. DH: "nolanjaina tamin'ny lanja mahazatra nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina"
DH: "lafarina tsara toto izay nafangarony tamin'ny menaka"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volamena iray milanja valo ampahafolo kilao" na "lovia volamena iray milanja 110 grama"
"izay samy herintaona avy"
"Izany no nomen'i Selomiela zanak'i Zorisaday ho sorona"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io anaran-dehilahy io.
"ny andro faha-6"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:12 io anaran-dehilahy io.
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny iray kilao sy sasany" na "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy 430 grama"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia jobo volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny valo ampahafolo kilao" na "lovia jobo volafotsy iray milanja 770 grama"
Misy sekely samy hafa lanja. Io ilay iray izay nampiasain'ny olona ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny lay masina. Raha mandika ireo lanja amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao ianao, ity no fomba hafa handikana io andianteny io. DH: "nolanjaina tamin'ny lanja mahazatra nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina"
DH: "lafarina tsara toto izay nafangarony tamin'ny menaka"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volamena iray milanja valo ampahafolo kilao" na "lovia volamena iray milanja 110 grama"
"izay samy herintaona avy"
"Izany no nomen'i Eliasafa zanak'i Doela ho sorona"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:12 io anaran-dehilahy io.
"ny andro faha-7"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:10 io anaran-dehilahy io.
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny iray kilao sy sasany" na "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy 430 grama"
"lovia jobo volafotsy milanja sekely 70." Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia jobo volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny valo ampahafolo kilao" na "lovia jobo volafotsy iray milanja 770 grama"
Misy sekely samy hafa lanja. Io ilay iray izay nampiasain'ny olona ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny lay masina. Raha mandika ireo lanja amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao ianao, ity no fomba hafa handikana io andianteny io. DH: "nolanjaina tamin'ny lanja mahazatra nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina"
DH: "lafarina tsara toto izay nafangarony tamin'ny menaka"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volamena iray milanja valo ampahafolo kilao" na "lovia volamena iray milanja 110 grama"
"izay samy herintaona avy"
"Izany no natolotr'i Elisama zanak'i Amihoda"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:10 io anaran-dehilahy io.
"ny andro faha-8"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:10 io anaran-dehilahy io.
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny iray kilao sy sasany" na "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy 430 grama"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia jobo volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny valo ampahafolo kilao" na "lovia jobo volafotsy iray milanja 770 grama"
Misy sekely samy hafa lanja. Io ilay iray izay nampiasain'ny olona ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny lay masina. Raha mandika ireo lanja amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao ianao, ity no fomba hafa handikana io andianteny io. DH: "nolanjaina tamin'ny lanja mahazatra nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina"
DH: "lafarina tsara toto izay nafangarony tamin'ny menaka"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volamena iray milanja valo ampahafolo kilao" na "lovia volamena iray milanja 110 grama"
"izay samy herintaona avy"
"Izany no nomen'i Gamaliela zanak'i Pedazora ho sorona"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:10 io anaran-dehilahy io.
"ny andro faha-9"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:10 io anaran-dehilahy io.
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny iray kilao sy sasany" na "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy 430 grama"
"lovia jobo volafotsy milanja sekely 70." Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia jobo volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny valo ampahafolo kilao" na "lovia jobo volafotsy iray milanja 770 grama"
Misy sekely samy hafa lanja. Io ilay iray izay nampiasain'ny olona ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny lay masina. Raha mandika ireo lanja amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao ianao, ity no fomba hafa handikana io andianteny io. DH: "nolanjaina tamin'ny lanja mahazatra nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina"
DH: "lafarina tsara toto izay nafangarony tamin'ny menaka"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volamena iray milanja valo ampahafolo kilao" na "lovia volamena iray milanja 110 grama"
"izay samy herintaona avy"
"Izany no nomen'i Abidana zanak'i Gideony ho sorona"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:10 io anaran-dehilahy io.
"ny andro faha-10"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:12 io anaran-dehilahy io.
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny iray kilao sy sasany" na "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy 430 grama"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia jobo volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny valo ampahafolo kilao" na "lovia jobo volafotsy iray milanja 770 grama"
Misy sekely samy hafa lanja. Io ilay iray izay nampiasain'ny olona ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny lay masina. Raha mandika ireo lanja amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao ianao, ity no fomba hafa handikana io andianteny io. DH: "nolanjaina tamin'ny lanja mahazatra nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina"
DH: "lafarina tsara toto izay nafangarony tamin'ny menaka"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volamena iray milanja valo ampahafolo kilao" na "lovia volamena iray milanja 110 grama"
"izay samy herintaona avy"
"Izany no nomen'i Ahiezera zanak'i Amisaday ho sorona"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:12 io anaran-dehilahy io.
"ny andro faha-11"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:12 io anaran-dehilahy io.
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny iray kilao sy sasany" na "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy 430 grama"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia jobo volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny valo ampahafolo kilao" na "lovia jobo volafotsy iray milanja 770 grama"
Misy sekely samy hafa lanja. Io ilay iray izay nampiasain'ny olona ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny lay masina. Raha mandika ireo lanja amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao ianao, ity no fomba hafa handikana io andianteny io. DH: "nolanjaina tamin'ny lanja mahazatra nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina"
DH: "lafarina tsara toto izay nafangarony tamin'ny menaka"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volamena iray milanja valo ampahafolo kilao" na "lovia volamena iray milanja 110 grama"
"izay samy herintaona avy"
"Izany no nomen'i Pagiela zanak'i Okrana ho sorona"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:12 io anaran-dehilahy io.
"ny andro faha-12"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:12 io anaran-dehilahy io.
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny iray kilao sy sasany" na "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy 430 grama"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia jobo volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny valo ampahafolo kilao" na "lovia jobo volafotsy iray milanja 770 grama"
Misy sekely samy hafa lanja. Io ilay iray izay nampiasain'ny olona ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny lay masina. Raha mandika ireo lanja amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao ianao, ity no fomba hafa handikana io andianteny io. DH: "nolanjaina tamin'ny lanja mahazatra nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina"
DH: "lafarina tsara toto izay nafangarony tamin'ny menaka"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volamena iray milanja valo ampahafolo kilao" na "lovia volamena iray milanja 110 grama"
"izay samy herintaona avy"
"Izany no nomen'i Selomiela zanak'i Zorisaday ho sorona"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:12 io anaran-dehilahy io.
Ny andianteny hoe "natokana" dia midika hoe manolotra amin'ny antony manokana. Eto, dia natolotra ho an'i Yaveh ireo fanatitra.
Eto ny teny hoe "andro" dia manondro ny fe-potoana amin'ny ankapobeny. Ireo mpitarika ny Israely dia nanokana ireo zavatra ireo mandritra ny 12 andro mazava. DH: "rehefa nanosotra ny alitara i Mosesy"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny iray kilao sy sasany" na "lovia volafotsy iray milanja iray kilao sy 430 grama"
Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "lovia jobo volafotsy iray milanja manakaikikaiky ny valo ampahafolo kilao" na "lovia jobo volafotsy iray milanja 770 grama"
Misy sekely samy hafa lanja. Io ilay iray izay nampiasain'ny olona ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny lay masina. Raha mandika ireo lanja amin'ny fandanjana amin'izao fotoana izao ianao, ity no fomba hafa handikana io andianteny io. DH: "nolanjaina tamin'ny lanja mahazatra nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina"
"Niara-nolanjaina ireo fanaka volafotsy rehetra...Niara-nolanjaina ireo lovia volamena rehetra"
Io dia manondro ireo fanatitra rehetra izay vita tamin'ny volafotsy, dia ireo lovia sy ireo lovia jobo.
"Ny tsirairay amin'ireo lovia volamena 12...dia nilanja sekely 10." Raha ilaina, dia afaka soratana amin'ny mari-pandanjana amin'izao fotoana izao ireo lanja ireo. Jereo ny nandikanao ireo lanja ireo ihany ao amin'ny 7:12. DH: "Ny tsirairay amin'ireo lovia volamena 12...dia nilanja ampahafolo kilao" na "Ny tsirairay amin'ireo lovia volamena 12...dia nilanja 110 grama"
"12...24...60." Ireo isa ireo dia afaka soratana amin'ny isa fa tsy teny.
"izay iray taona"
DH: "rehefa avy nosoran'i Mosesy izany"
Eto ny hoe "feony" dia manondro an'i Yaveh. DH: "nandre an'i Yaveh niteny taminy izy''
Ireo andianteny roa ireo dia samy manoritsoritra toerana iray ihany.
"Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh"
1 Yaveh niresaka tamin'i Mosesy. Hoy Izy hoe: 2 "Miresaha amin'i Arona. Teneno aminy hoe: 'Tokony hanome hazavana eo anoloan'ny fitoeran-jiro ireo jiro fito rehefa mampirehitra ireo ianao.'" 3 Nanao izany Arona. Nampirehitra ny jiro teo amin'ny fitoeran-jiro izy mba hanome hazavana eo anoloan'izany, araka ny efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 4 Tamin'izany fomba izany no nanaovana ny fitoeran-jiro ary Yaveh nampiseho an'i Mosesy ny lamina ho amin'izany. Izany dia volamena voatefy hatrany amin'ny fotony ka hatrany amin'ny tampony, niaraka tamin'ny vazy voasa tahaka ny voninkazo. 5 Niresaka tamin'i Mosesy indray Yaveh. Hoy Izy hoe: 6 "Alaivo avy eo amin'ireo vahoakan'Israely ny Levita ary diovy izy ireo. 7 Ataovy amin'izy ireo izao mba hanadiovana azy ireo: Afafazo eo amin'izy ireo ny ranon'ny fanavotana. Asaivo manaratra ny vatany manontolo, manasa ny fitafiany izy ireo, ary amin'izany fomba izany no hanadiovana ny tenan'izy ireo. 8 Ary asaivo maka vantotr'ombilahy sy fanatitra voa miaraka amin'ny koba tsara toto mifangaro menaka izy ireo. Aoka izy ireo haka vantotr'ombilahy iray hafa ho fanatitra nohon'ny ota. 9 Hitondra ireo Levita eo alohan'ny trano-lay fihaonana sy hamory ny vondron'ny vahoakan'Israely rehetra ianao. 10 Rehefa mitondra ireo Levita eo anoloan'i Yaveh ianao, dia tsy maintsy mametraka ny tanany eo amin'ireo Levita ny vahoakan'Israely. 11 Tsy maintsy atolotr'i Arona eo anatrehan'i Yaveh ireo Levita, toy ny fanatitra ahevaheva avy amin'ny vahoakan'Israely mba hahafahan'izy ireo manao ny fanompoana an'i Yaveh. 12 Tsy maintsy apetrak'ireo Levita eo amin'ny lohan'ireo omby ny tanany. Tsy maintsy manolotra omby iray ho an'ny fanatitra nohon'ny ota ary omby hafa ho an'ny fanatitra dorana ho Ahy ianao, mba hanonerana ho an'ireo Levita. 13 Asehoy eo anoloan'i Arona sy eo anoloan'ny zanany lahy ireo Levita ary asandrato ho fanatitra ahevaheva ho Ahy. 14 Amin'io fomba io no tsy maintsy hanasarahanao ireo Levita amin'ny vahoakan'ny Israely. Ho Ahy ireo Levita. 15 Manaraka izany, tsy maintsy mandeha manompo ao an-trano lain'ny fihaonana ireo Levita. Tsy maintsy manadio azy ireo ianao. Tsy maintsy atolotrao toy ny fanatitra ahevaheva izy ireo. 16 Ataovy izany, satria izy ireo dia Ahy tanteraka izay avy eo amin'ny vahoakan'Israely. Handray ny toeran'ny ankizy lahy tsirairay avy izay hateraka voalohany izy ireo, dia ny lahimatoan'ny taranak'Israely rehetra. Efa naka ireo Levita ho an'ny tenako Aho. 17 Ahy ny lahimatoa avy ao amin'ny vahoakan'Israely rehetra, mbamin'ny olona sy ny biby. Tamin'ny andro izay nakako ny ain'ny lahimatoa rehetra tao amin'ny tany Egypta, dia nanokana azy ireo ho Ahy Aho. 18 Efa naka ireo Levita avy teo amin'ny vahoakan'Israely ho solon'ny lahimatoa rehetra Aho. 19 Efa nanome ireo Levita ho fanomezana ho an'i Arona sy ireo zanany lahy Aho. Efa naka azy ireo avy teo amin'ny vahoakan'Israely mba hanao ny asan'ny vahoakan'Israely ao amin'ny trano-lay fihaonana Aho. Efa nanome azy ireo ho fanavotana ho an'ny vahoakan'Israely Aho mba tsy hisy areti-mandringana hamely ny vahoaka raha vao manakaiky ny toerana masina izy ireo." 20 Mosesy, Arona, ary ny vondron'ny vahoakan'Israely manontolo nanao izany tamin'ireo Levita. Nanatanteraka ireo zavatra rehetra nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ny amin'ireo Levita izy ireo. Nanao izany niaraka tamin'izy ireo ny vahoakan'Israely. 21 Nanadio ny tenany sy nanasa ny fitafiny ireo Levita, ary Arona nanolotra azy ireo ho fanatitra ahevaheva ho an'i Yaveh sy nanao fanavotana ho azy ireo mba hanadiovana azy ireo. 22 Manaraka izany, nandeha nanao ny fanompoana tao amin'ny trano-lay fihaonana manoloana an'i Arona sy ny zanaka lahin'i Arona ireo Levita. Tahaka izany no nandidian'i Yaveh an'i Mosesy mahakasika ireo Levita. Izany no fomba nitondrany ireo Levita rehetra. 23 Niresaka tamin'i Mosesy indray Yaveh. Hoy Izy hoe: 24 "Izao rehetra izao dia ho an'ny Levita izay dimy amby roapolo taona no ho mihoatra. Tsy maintsy miaraka amin'ny mpanompo mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo. 25 Tsy maintsy mitsahatra amin'ny fanompoana amin'izany fomba izany izy ireo rehefa feno dimampolo taona. Amin'izany taona izany dia tsy mahazo manompo intsony izy ireo. 26 Afaka manampy ireo rahalahiny izay manohy ny asa ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo, nefa tsy afaka manompo intsony. Tsy maintsy mitarika ireo Levita amin'ireo raharaha rehetra ireo ianao."
"tsy maintsy manazava mankeo amin'ny anoloana"
"mba hampazava"
DH: "nanao ireo fitoeran-jiro izy ireo"
Nodidiana mba hanao kapoaka voatefy izy ireo mba hitovy amin'ny voninkazo izany. DH: "kapoaka izay mitovy amin'ny voninkazo"
Eto ny hoe "azy ireo" dia manondro ireo Levita.
Ny famafazan'i Mosesy rano eo amin'izy ireo dia famantarana ny fanavotana azy ireo.
Tokony hanasa ny fitafian'izy ireo ny Levita. Afaka manazava izany fampahalalana izany ianao. DH: "dia asaivo manasa ny fitafiany izy ireo"
Rehefa takiana mba ampanarahina izany matetika ny fanatitra vantotr'ombilahy, ny fanatitra hohanina.
DH: "vita amin'ny koba izay nafangaro tamin'ny menaka"
"nanangona ny vondrona manontolo"
Eto dia manondro ny tenany amin'ny anarany ihany i Yaveh.
Ny fihetsika "mametraka ny tanana" amin'ny olona matetika dia natao mba hanokanana azy ireo ho amin'ny asan'i Yaveh na ny asa fanompoana. DH: "Tsy maintsy mametraka ny tanan'izy ireo eo amin'ny Levita ny vahoakan'Israely, hanokanana azy ireo ho Ahy"
Tsy maintsy atolotr'i Arona amin'i Yaveh amin'ny fatran'ny fanokanana mitovy ihany ireo Levita toy ny hoe sorona nomena Azy izy ireo.
Io dia fihetsika famantarana izay ahafantarana ireo Levita miaraka amin'ireo biby natao fanatitra. Amin'io fomba io dia manolotra ny tenany amin'ny alalan'ny biby ho an'i Yaveh ny olona.
Tokony hanolotra ireo Levita amin'i Yaveh toy ny hoe manandratra fanatitra ho an'i Yaveh i Arona . DH: "atokano ho Ahy, toy ny hoe manandratra azy ireo ho fanatitra ahevaheva ho Ahy ianao"
Mamerina ireo zavatra roa ireo i Yaveh mba hanindriana ny hazava-dehiben'izany. Tsy maintsy mitranga alohan'ny handehanan'ireo Levita hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana izany. Ny hevitr'io fanambarana io feno dia afaka atao mazava. DH: "Nefa mialoha izany, dia tsy maintsy manadio azy ireo ianao. Tsy maintsy manolotra azy ireo ho fanatitra ahevaheva ianao"
Tokony hanolotra ireo Levita amin'i Yaveh toy ny hoe manandratra fanatitra ho an'i Yaveh i Arona . DH: "atokano ho Ahy, toy ny hoe manandratra azy ireo ho fanatitra ahevaheva ho Ahy ianao"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary nampiarahina mba hanindriana ireo zanaka lahimatoa.
Io dia fomba fiteny. "Ny hateraka voalohany" dia midika hoe miteraka voalohany. Eto dia manondro ny zanaka lahimatoa izay nateraky ny reniny io. DH: "zaza izay lahimatoan'ny reniny"
Io dia fomba mihaja hanondroana ny fotoana hamonoan'ny olona iray olona. DH: "Novonoiko"
Eto ny hoe "azy ireo" dia manondro "ny lahimatoa avy amin'ny vahoakan'Israely."
Ny fanondroan'i Yaveh ireo Levita mba hanampy an'i Arona sy ireo zanany lahy dia resahina toy ny hoe fanomezana izay nomen'i Yaveh an'i Arona sy ireo zanany lahy izy ireo.
Eto ny hoe "azy ireo" dia manondro ireo Levita.
Afaka ampiana ireo teny tsy ampy mba hanazavana kokoa ny heviny. DH: "ho solon'ny fakàko ny lahimatoa rehetra"
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely.
Eto dia misy fehezanteny mifanindran-dalana telo izay manome fampahalalana iray ihany. Naverimberina izany mba hanindriana fa nataon'ny vahoaka tamin'ireo Levita izay nandidian'i Yaveh. DH: "Nataon'i Mosesy, Arona, ary ny vondron'ny vahoakan'Israely manontolo ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy mahakasika ireo Levita"
Ny teny hoe "asa fanompoana" dia anarana, izay afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "manompo"
"eo amin'ny fanatrehan'i Arona sy ireo zanany lahy"
"Izay nataon'izy ireo dia"
"Nataon'izy ireo tamin'ireo Levita izay nandidian'i Yaveh." Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely.
"Izao didy rehetra izao dia an'ireo Levita"
"25 taona"
Ny teny hoe "antoko'' dia manondro ny olona rehetra miasa ao amin'ny trano-lay fihaonana. Jereo ny nandikanao io andianteny io ao amin'ny 4:1.
"rehefa 50 taona" na "rehefa lasa 50 taona izy ireo"
1 Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy tany an'efitr'i Sinay, tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahan'izy ireo ny tany Egypta. Hoy Izy hoe: 2 "Aoka ny vahoakan'ny Israely hitandrina ny Paska amin'ny fotoana raikitra amin'ny taona. 3 Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity, no tsy maintsy hitandremanao ny Paska amin'ny fotoana raikitra amin'ny taona. Hitandrina izany ianao, araho ny didy amam-pitsipika rehetra, ary ankatoavy ny didy rehetra izay mifandraika amin'izany." 4 Koa, niteny tamin'ny vahoakan'ny Israely i Mosesy fa tokony hitandriana ny firavoravoan'ny Paska izy ireo. 5 Dia nitandrina ny Paska tamin'ny volana voalohany izy ireo, tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana, tamin'ny hariva, tany an'efitr'i Sinay. Nankatoa ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh hataon'i Mosesy ny vahoakan'ny Israely. 6 Ary nisy olona sasany naloto tamin'ny fatin'ny olona iray. Tsy afaka nitandrina ny Paska tamin'izany andro izy ireo. Dia nankeo anatrehan'i Mosesy sy Arona izy ireo tamin'izany andro izany. 7 Hoy ireo olona ireo tamin'i Mosesy hoe: "Maloto nohon'ny fatin'olona izahay. Nahoana no tsy avelanao hanatitra sorona ho an'i Yaveh amin'ny fotoana raikitra amin'ny taona eo amin'ny vahoakan'ny Israely izahay?" 8 Hoy Mosesy tamin'izy ireo: "Andraso aloha aho hihaino izay handidian'i Yaveh ny aminareo." 9 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy izy hoe: 10 "Mitenena amin'ny vahoakan'ny Israely. Lazao hoe, 'Raha misy maloto eo aminareo na ny taranakareo nohon'ny fatin'olona, na amin'ny dia lavitra, dia tsy afaka mitandrina ny Paska ho an'i Yaveh izy ireo.' 11 Aoka hitandrina ny Paska amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana faharoa izy ireo. Mofo tsy misy masirasira sy anana mangidy no tsy maintsy hihinanany izany. 12 Tsy tokony hamela izany mandra-maraina izy ireo, na hanapaka ny taolany. Aoka hanaraka ny didy amam-pitsipika rehetra amin'ny Paska izy ireo. 13 Fa ny olona izay madio sy tsy nandia lavitra, nefa tsy mitandrina ny Paska, izany olona izany dia hofongorana tsy ho eo amin'ny olony satria tsy nanatitra ny fanatitra izay takian'i Yaveh amin'ny fotoana raikitra amin'ny taona izy. Izany olona izany dia hilanja ny helony. 14 Raha misy vahiny monina eo aminao ary mitandrina ny Paska ho voninahitr'i Yaveh, aoka izy hitandrina izany sy hanao ireo didiny rehetra, ary hankatoa ireo fitsipiky ny Paska, ary mankatoa ny lalàna amin'izany. Aoka hanana lalàna mitovy ho an'ireo vahiny sy ny rehetra izay efa teraka ao amin'ilay tany ianao." 15 Tamin'ny andro nametrahana ny tabernakely, ny rahona nandrakotra ny tabernakely, ilay lain'ny lalàn'ny fanekena. Tamin'ny hariva ny rahona dia teo ambonin'ny tabernakely. Niseho toy ny afo mandra-maraina izany. 16 Nitohy tahak'izany foana izany. Nandrakotra ny tabernakely ny rahona ary niseho ho toy ny afo amin'ny alina. 17 Na oviana na oviana ny rahona no nampiakarina avy teo amin'ny lay, dia niainga tamin'ny diany ny vahoakan'Israely. Na taiza na taiza no nijanonan'ny rahona, dia nitoby teo ny vahoakan'ny Israely. 18 Araka ny didin'i Yaveh, ny vahoakan'ny Israely dia nandeha, ary tamin'ny didiny, no nitobian'izy ireo. Raha nijanona teo ambonin'ny tabernakely ny rahona, dia nijanona tany amin'ny tobiny izy ireo. 19 Rehefa nitoetra andro maro teo amin'ny tabernakely ny rahona, dia nankatoa ny toro-lalan'i Yaveh izy ireo ary tsy nandeha. 20 Indraindray ny rahona dia nitoetra andro vitsy teo amin'ny tabernakely. Tamin'izany toe-javatra izany, dia nankatoa ny didin'i Yaveh izy ireo—nitoby ary nanohy ny diany indray tamin'ny didiny. 21 Indraindray ny rahona dia nijanona nitoby hatramin'ny hariva ka mandra-maraina. Raha niakatra ny maraina ny rahona, dia nandeha izy ireo. Raha nitohy ny andro na ny alina izany, dia rehefa niakatra ihany ny rahona vao nanohy nandeha izy ireo. 22 Na indroa andro, na iray volana, na herintaona no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely, raha mbola nijanona teo koa izany, dia nijanona tao an-tobiny ary tsy nandeha ny vahoakan'Israely. Fa isaky ny nakarina ny rahona, dia nanainga tamin'ny diany izy ireo. 23 Nitoby araka ny didin'i Yaveh izy ireo. Nankatoa ny didin'i Yaveh izay nomena avy tamin'i Mosesy izy ireo.
"tamin'ny volana faha-1." Io dia volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Io dia manamarika ny fotoana nitondran'Andriamanitra ny vahoakan'Israely hivoaka tao Egypta.
"ny taona faha-2"
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely. Ny teny hoe "nivoaka" dia midika hoe niala. DH: "taorian'ny nialan'izy ireo ny tany Egypta"
Ny teny hoe "raikitra" dia midika hoe "efa napetraka mialoha." Izany dia midika fa io no fotoana natokan'izy ireo ho an'izany isan-taona. DH: "Aoka ny vahoaka...amin'ny fotoana amin'ny taona iray efa natokan'izy ireo ho an'izany teo aloha"
Io dia fotoana voatondro amin'ny taona iray izay hankalazan'izy ireo ny Paska. Ny hevitr'io fanambarana io feno dia afaka atao mazava. DH: "Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo...ary hitandrina izany, satria io no fotoana hankalazanareo izany isan-taona"
"ny andro faha-14''
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary nampiarahina mba hanindriana fa mila mankatoa ireo didy izy ireo.
Eto ny andianteny hoe "tandremo izany" dia fomba fiteny izay midika hoe manaraka izany. DH: "Tsy maintsy manaraka izany ianao" na "Tsy maintsy mankalaza izany ianao"
Eto ny teny hoe "mitandrina" dia midika hoe manaraka. DH: "manaraka ny Firavoravoan'ny Paska" na "mankalaza ny Firavoravoan'ny Paska"
"tamin'ny volana faha-1, tamin'ny andro faha-14n'ny volana"
Midika izany fa nikasika olona maty, izay nandoto azy ireo izy ireo. Afaka ataonao mazava ny hevitra fenon'io fanambarana io. DH: "lasa maloto satria nikasika fatin'olona maty izy ireo"
Ny olona izay heverin'Andriamanitra fa tsy ekena ara-panahy na voaloto dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana ilay olona.
Eto ny teny hoe "nitandrina" dia midika hoe manaja. DH: "manaja ny Paska" na "mankalaza ny Paska"
Midika izany fa nikasika fatin'olona izy ireo. Ny hevitr'io fanambarana io feno dia afaka atao mazava. DH: "satria nikasika ny fatin'ny olona maty izahay"
Mametraka io fanontaniana io ireo lehilahy mba hitarainana fa tsy navela handray anjara amin'ny fankalazana ny Paska. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy rariny raha tsy avelanao tsy hanolotra ny sorona...eo amin'ny vahoakan'ny Israely."
napetraka na nofaritana mialoha
Ny olona izay heverin'Andriamanitra fa tsy ekena ara-panahy na voaloto dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana ilay olona.
Io dia manondro olona izay nikasika faty. DH: "satria nikasika faty ianao"
Eto ny teny hoe "mitandrina" dia midika hoe manaraka. DH: "manaraka ny Firavoravoan'ny Paska" na "mankalaza ny Firavoravoan'ny Paska"
Eto ny teny hoe "mitandrina" dia midika hoe manaraka. DH: "manaraka ny Firavoravoan'ny Paska" na "mankalaza ny Firavoravoan'ny Paska"
"ny volana faha-2 tamin'ny andro faha-14"
"amin'ny filentehan'ny masoandro"
"Tsy maintsy mihinana ny zanak'ondrin'ny Paska izy ireo"
"mofo tsy nasiana lalivay"
Ireo dia zava-maniry kely izay misy fofona mahery sy tsiro ratsy matetika.
"ary tsy tokony hanapaka ny taolan'izany izy ireo"
Ny olona izay heverin'Andriamanitra fa tsy ekena ara-panahy na voaloto dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana ilay olona.
Eto ny teny hoe "mitandrina" dia midika hoe manaraka. DH: "manaraka ny Firavoravoan'ny Paska" na "mankalaza ny Firavoravoan'ny Paska"
Eto ny teny hoe "hofongorana" dia midika hoe tsy nanana intsony ary nalefa. DH: "izany olona izany dia tsy maintsy alefa" na "tsy maintsy alefanao izany olona izany"
napetraka na nofaritana mialoha
Eto ny olona izay tsy maintsy hizaka ny vokatry ny fahotany dia resahina toy ny hoe zavatra mavesatra izay tsy maintsy lanjainy ny fahotany. DH: "Tsy maintsy hizaka ny sazin'ny fahotany izany lehilahy izany"
Eto ny hoe "aminareo" dia manondro ny vahoakan'Israely.
"tsy maintsy hitandrina io izany vahiny izany ary hanao ny rehetra izay andidian'i Yaveh"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary nampiarahina mba hanindriana fa tsy maintsy mankatoa ny lalàna rehetra momba ny Paska ny vahiny.
"ao amin'ny tanin'i Israely"
DH: "nanangana ny tabernakely ireo Levita"
Io dia anaran'ny tabernakely hafa. Jereo ny nandikanao ny andianteny hoe "ny tabernakelin'ny didim-panekena" ao amin'ny 1:50.
Io dia manondro ny fisehon'ny rahona mandritra ny alina. Eto ny rahona dia ampitahaina hoe mitovy amin'ny afo. DH: "Mandritra ny alina dia toy ny afo lehibe mandra-maraina ny rahona"
Mety ilaina ny manazava fa manondro ny rahona izay nanerana ny tabernakely izany. DH: "Nijanona tahaka izany nanerana ny tabernakely ny rahona"
Ny fisehon'ny rahona dia ampitahaina amin'ny afo lehibe. DH: "toy ny afo lehibe amin'ny alina izany"
DH: "nifindra" na "nampiakarin'i Yaveh ny rahona"
"tsy nihetsika intsony ny rahona"
Ny teny hoe "didy'' dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "Rehefa nandidy i Yaveh"
"nanerana ny tabernakely"
Eto ny teny hoe "manao" dia midika hoe "manangana". DH: "nanangana ny tobin'izy ireo"
Midika izany fa nitoetra teo amin'ny tabernakely nandritra ny indray alina ihany ny rahona. Ny hevitr'io fanambarana io feno dia afaka ataonao mazava. DH: "amin'ny alina hatramin'ny maraina ihany" na "manerana ny tabernakely nandritra ny iray alina ihany"
Ny hevitr'io fanambarana io feno dia afaka atao mazava. "Raha nijanona teo ambonin'ny tabernakely ny rahona"
"ary rehefa nifindra ny rahona dia nandeha izy ireo"
DH: "niakatra ny rahona" (UDB) na "nampiakarin'i Yaveh ny rahona"
Ny teny hoe "didy" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. "izay nandidian'i Yaveh"
DH: "ny didy izay nomen'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy"
1 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy: 2 "Manaova trompetra volafotsy roa. Amin'ny tefy tanana no hanaovanao ny volafotsy. Tsy maintsy mampiasa ireo trompetra ianao hiantsoana ny fiangonana miaraka sy hiantsoana ny fiangonana hamindra ny tobin'izy ireo. 3 Ireo mpisorona dia tsy maintsy hitsoka ireo trompetra mba hiantsoana ny fiangonana rehetra hitambatra eo anoloanao eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana. 4 Raha trompetra iray ihany no tsofin'ireo mpisorona, dia hivory eo aminao ireo mpitarika, ireo lohan'ny fokon'Israely. 5 Rehefa mitsoka famantarana mafy ianareo, dia hanomboka ny dian'izy ireo ny toby any atsinanana. 6 Rehefa mitsoka ny fanairana mafy fanindroany ianareo, dia hanomboka ny dian'izy ireo ny toby any atsimo. Tsy maintsy mitsoka fanairana mafy ho an'ny diany izy ireo. 7 Rehefa mivory miaraka ny fiangonana, dia tsofy ireo trompetra, fa tsy mafy loatra. 8 Ireo zanaka lahin'i Arona, ireo mpisorona, no tsy maintsy mitsoka ireo trompetra. Izany dia ho lalàna mandrakariva ho anareo hatramin'ny taranak'ireo vahoakanao. 9 Rehefa mandeha miady any amin'ny taninareo hanohitra ny mpifanandrina izay mampahory anareo ianareo, dia tsy maintsy hampaneno fanairana amin'ireo trompetra. Izaho, Yaveh Andriamanitrareo, no hahatsiaro anareo ka hamonjy anareo amin'ireo fahavalonareo. 10 Ary koa, amin'ireo fotoanan'ny fankalazana, dia ireo firavoravoana mahazatra sy amin'ireo fiandohan'ireo volana, dia tsy maintsy hitsoka ireo trompetra ianareo ho fankalazana ny fanatitra doranareo sy ireo sorona hafa ho an'ny fanati-pihavananareo. Hatao izany ho fahatsiarovanareo Ahy, ilay Andriamanitrareo. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo." 11 Tamin'ny taona faharoa, tamin'ny volana faharoa, tamin'ny andro faha roapolon'ny volana, dia niakatra avy eo amin'ny tabernakelin'ny lalàn'ny fanekena ny rahona. 12 Nanohy ny diany niala tany an'efitr'i Sinay ny vahoakan'Israely. Nijanona teo amin'ny efitr'i Parana ny rahona. 13 Nanao ny dian'izy ireo voalohany, araka ny didin'i Yaveh izay nomeny tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo. 14 Ny toby ambanin'ny fanevan'ny taranak'i Joda no nivoaka voalohany, namoaka ireo fiadiany avy. Nasona zanaka lahin'i Aminadaba nitarika ny tafik'i Joda. 15 Netanela zanaka lahin'i Zoara nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'Isakara. 16 Eliaba zanaka lahin'i Helona nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Zebolona. 17 Ireo taranak'i Gersona sy Merary, izay niandraikitra ny tabernakely, dia nampidina ny tabernakely ary nianga tamin'ny dian'izy ireo. 18 Avy eo, ireo tafika teo ambanin'ny fanevan'ny tobin'i Robena dia niainga. Elizora zanaka lahin'i Sedeora nitarika ny tafik'i Robena. 19 Selomiela zanaka lahin'i Zorisaday nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Simeona. 20 Eliasafa zanaka lahin'i Doela nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Gada. 21 Niainga ireo Kehatita. Nitondra ny fitaovana masina tao amin'ny fitoerana masina. Ny sasany dia nanangana ny tabernakely mialohan'ny nahatongavan'ny Kehatita teo amin'ny toby manaraka. 22 Ireo tafika teo ambanin'ny fanevan'ny taranak'i Efraima no niainga nanaraka. Elisama zanaka lahin'i Amihoda nitarika ny tafik'i Efraima. 23 Gamaliela zanaka lahin'i Pedazora nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Manase. 24 Abidana zanaka lahin'i Gideony nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Benjamina. 25 Ireo tafika izay nitoby teo ambany fanevan'ny taranak'i Dana no niainga farany. Ahiezera zanaka lahin'i Amisaday nitarika ny tafik'i Dana. 26 Pagiela zanaka lahin'i Okrana nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Asera. 27 Ahira zanaka lahin'i Enana nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Naftaly. 28 Tamin'izany fomba izany no niaingan'ireo tafiky ny vahoakan'Israely tamin'ny diany. 29 Niresaka tamin'i Hobaba zanaka lahin'i Regoela Midianita i Mosesy. Regoela no rain'ny vadin'i Mosesy. Niresaka tamin'i Hobaba i Mosesy ka niteny hoe: "Andeha hankany amin'ny toerana izay nofaritan'i Yaveh izahay. Hoy Yaveh: 'Homeko anareo izany.' Ndeha hiaraka aminay dia hanaovanay soa ianareo. Yaveh efa nampanantena ny hanao soa ny Israely." 30 Fa hoy Hobaba tamin'i Mosesy: "Tsy andeha hiaraka aminao aho. Handeha ho any amin'ny taniko sy ny oloko aho." 31 Ary dia namaly Mosesy hoe: "Aoka re mba tsy handao anay ianao. Ianao mahalala ny hitobiana any an'efitra. Tokony hitandrina anay ianao. 32 Raha andeha hiaraka aminay ianao, dia hataonay aminao araka ny soa izay nataon'i Yaveh taminay." 33 Nandeha niala ny tendrombohitr'i Yaveh nandritra ny telo andro izy ireo. Ny fiaran'ny faneken'i Yaveh nandeha teo alohan'izy ireo nandritra ny hateloana mba hitady toerana hialana sasatra ho azy ireo. 34 Ny rahon'i Yaveh dia teo ambonin'izy ireo tamin'ny andro raha nandeha izy ireo. 35 Rehefa miainga ny fiara, dia miteny Mosesy hoe: "Mitsangàna, ry Yaveh. Ahelezo ireo fahavalonao. Ampandosiro hiala eo Aminao izay mankahala Anao." 36 Rehefa mijanona ny fiara, dia miteny Mosesy hoe: "Miverena, ry Yaveh, amin'ny Israely an'aliny maro."
Midika izany fa nandidy an'i Mosesy mba haniraka olona hanamboatra ny trompetra i Yaveh. Fa tsy izy no nanao ireo. DH: "Lazao ny olona mba hanao trompetra volafotsy roa"
Tsy hitsoka ireo trompetra i Mosesy, fa handidy ireo mpisorona hitsoka izany izy.
"rehefa eo ianao." Midika izany fa tokony ho eo miaraka amin'ny mpisorona i Mosesy rehefa mitsoka ireo trompetra izy.
Ireo andianteny roa ireo dia manondro vondron'olona iray ihany. Eto ny andianteny faharoa dia nampiasaina mba hanoritsoritana ny andianteny voalohany. DH: "ireo mpitarika, izay lohan'ny fokon'Israely"
Miresaka amin'i Mosesy i Yaveh, nefa manondro ireo mpisorona izy. Ireo mpisorona no hitsoka ireo trompetra, fa tsy i Mosesy. DH: "Rehefa mitsoka fanairana mafy izy ireo"
Miresaka amin'i Mosesy i Yaveh, nefa manondro ireo mpisorona izy. Ireo mpisorona no hitsoka ireo trompetra, fa tsy i Mosesy. DH: "Rehefa mitsoka fanairana mafy izy ireo"
"Mba hanangona ireo fiangonana miaraka"
Ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo mpisorona ary ny hoe "-ny" dia manondro ny vahoakan'ny Israely.
"ho fitsipika ho anareo." Eto ny hoe "anareo" dia manondro ny vahoakan'Israely.
Miresaka amin'i Mosesy i Yaveh ary mampiasa ny teny hoe "ianareo", nefa tsy tena manondro ny vahoakan'Israely mandeha miady Izy. DH: "Rehefa mandeha miady...izay mampahory ny Israely ny vahoakan'Israely"
Eto dia miresaka amin'i Mosesy indray i Yaveh amin'ny fampiasana ny teny hoe "ianareo" nefa tiany haniraka ireo mpisorona hitsoka ny trompetra tokoa i Mosesy"
Io teny hoe "hahatsiaro" io dia midika hoe mahatadidy. DH: "mahatadidy anao"
Ny anarana hoe "fankalazana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny hoe "mankalaza". DH: "rehefa mankalaza ianareo"
Eto dia miresaka amin'i Mosesy indray i Yaveh amin'ny fampiasana ny teny hoe "ianareo", fa tiany hampitsoka ireo trompetra an'ireo mpisorona tokoa Izy. DH: "tsy maintsy mandidy ireo mpisorona mba hitsoka ireo trompetra ianao"
Misy volana 12 amin'ny tetiandro Hebreo. Ny fiandohan'ny fivadibadiky ny volana miaraka amin'ny sila-pahazavana dia manamarika ny fiandohan'ny volana tsirairay ao amin'ny tetiandron'ny volana.
Amin'ireo andianteny ireo ny hoe "-nareo" dia manondro ny vahoakan'Israely.
"amin'ny voninahitry ny sorona"
"hatao fampahatsiahivana Ahy aminareo". Ny teny hoe "fahatsiarovana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny hoe "mampahatsiaro". DH: "hahatsiarovanareo Ahy mandrakariva."
Ny teny hoe "izany" dia manondro ireo trompetra sy ireo sorona.
"Tamin'ny taona faha-2". Izany dia taona faharoa taorian'ny nitondran'i Yaveh ireo Israelita nivoaka tao Egypta.
"tamin'ny volana faha-2, tamin'ny andro faha-20 amin'ny volana." Izany dia volana faharoan'ny tetiandro Hebreo.
DH: "niakatra ny rahona" (UDB) na "nasandratr'i Yaveh ny rahona"
Nantsoina tamin'io anarana lava be io ihany koa ny tabernakely satria nipetraka tao amin'izany ny fiara misy ny lalàn'Andriamanitra. Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:50 izany.
DH: "ireo didy izay nomen'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy"
Anisan'io toby io ireo foko telo tao amin'ny fizaran'i Joda: Joda, Isakara, ary Zebolona.
Ny teny hoe "nivoaka" dia midika fa nanorona ny toby izy ireo ka nanomboka nifindra.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:7 io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:7 io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:7 io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:17 io anaran-dehilahy io.
Io dia manondro ireo tafiky ny foko tao amin'ny fizaran'i Robena: Robena, Simona, ary Gada.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:12 io anaran-dehilahy io.
Io dia manondro ireo taranak'i Kehata. Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:27 izany.
Io dia manondro ireo tafiky ny foko tao amin'ny fizaran'i Efraima: Efraima, Manase, ary Benjamina.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:10 io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:10 io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:10 io anaran-dehilahy io.
Io dia manondro ireo tafiky ny foko tao amin'ny fizaran'i Dana: Dana, Asera, ary Naftaly.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:12 io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:12 io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:12 io anaran-dehilahy io.
Io dia anaran-dehilahy.
"izay nofaritan'i Yaveh anay''
"hanao tsara aminareo izahay"
Ny teny hoe "hiambina" dia midika hoe mitarika sy mikarakara. DH: "Afaka mitarika anay sy maneho anay ny fomba hiainana any amin'ny tany efitra"
Ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely.
Io dia manondro ny Tendrombohitr'i Sinay. Ny hevitr'io fanambarana io feno dia afaka atao mazava. DH: "Tendrombohitr'i Sinay, ilay tendrombohitr'i Yaveh"
Mandeha eo alohan'ny vahoakan'Israely ny vondron'ireo Levita milanja ny fiaran'ny fanekena raha mandeha ny vahoaka. DH: "Nilanja ny fiaran'ny faneken'i Yaveh teo alohan'izy ireo ny lehilahy raha nandeha izy ireo"
"ny andro tsirairay" na "mandritra ny andro"
Eto ny fiara dia resahina toy ny hoe olona mandeha. Tena nolanjain'ireo lehilahy tokoa ny fiara. DH: "Rehefa milanja ny fiara mba hiainga ny olona"
Eto ny teny hoe "mitsangàna" dia fangatahana amin'i Yaveh mba hiasany, eto dia mangataka Azy mba hampiely ny fahavalon'izy ireo i Mosesy.
Eto i Mosesy dia miresaka momba an'i Yaveh mahatonga ny fahavalon'izy ireo mba handositra ny vahoakan'Israely toy ny hoe mandositra an'i Yaveh izy ireo. DH: "Ataovy mitsoaka ny fiaranao sy ny vahoakanao ireo izay mankahala Anao"
Eto ny fiara dia resahina toy ny hoe olona izay mandeha. Nolanjain'ireo lehilahy tokoa ny fiara. DH: "Rehefa milanja ny fiara hijanona ny olona"
Io dia manondro ny vahoaka. Ny hevitr'io fanambarana io feno dia afaka atao mazava. DH: "vahoaka an'aliny maro"
1 Ary nitaraina momba ny olan'izy ireo ny vahoaka raha nihaino Yaveh. Nandre ireo olona Yaveh ka nanjary tezitra. Nisy afon'i Yaveh nandoro azy ireo ary nandevona ny sasany tamin'ireo toby teny amorony. 2 Avy eo dia niantso an'i Mosesy ireo vahoaka, koa dia nivavaka tamin'i Yaveh i Mosesy, ary nitsahatra ny afo. 3 Nantsoina hoe Tabera izany toerana izany, satria nirehitra teo amin'izy ireo ny afon'i Yaveh. 4 Nanomboka niara-nitoby tamin'ny taranak'Israely ny sasany tamin'ireo hafa firenena. Naniry ny hihinana sakafo tsara kokoa izy ireo. Ary nanomboka nitomany ireo vahoakan'Israely ka nanao hoe: "Iza no hanome sakafo hohaninay? 5 Tsaroanay ny trondro izay nohaninay maimaimpoana tany Egypta, ireo kaokaombra, ireo voatavo, ireo tongolo raviny, ireo tongolo, ary ny tongolo gasy. 6 Ankehitriny lasa ny homantsika, satria ny hany hitantsika dia ity mana ity." 7 Ny mana dia toy ny voan-drafy. Miendrika toy ny dinti-kazo izany. 8 Nandeha niodidina ireo olona ary nanangona izany. Nototoin'izy ireo tamin'ny fikosoham-bary izany, nototoina tamin'ny laona, nampangotrahina tao anaty vilany, ary natao mofomamy. Nitovy tsiro tamin'ny menaka oliva vaovao izany. 9 Rehefa nilatsaka teo amin'ny toby ny ranon'ando ny alina, dia nilatsaka ihany koa ny mana. 10 Nandre ireo olona nitomany tao amin'ny fianakavian'izy ireo Mosesy, ary ny lehilahy rehetra dia teo amin'ny fidirana ho any amin'ny lainy. Tezitra mafy Yaveh, ary diso teo imason'i Mosesy ny fitarainan'izy ireo. 11 Hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: "Nahoana Ianao no mampijaly ny mpanomponao? Nahoana Ianao no tsy faly amiko? Nampilanjanao ny enta-mavesatr'ireo olona rehetra ireo aho. 12 Izaho ve no namorona ireo olona rehetra ireo? Izaho ve no niteraka azy ireo no hilazanao amiko hoe: 'Trotroy eo an-tratranao toy ny fitrotron'ny ray zaza izy ireo?' Tokony hitondra azy ireo any amin'ilay tany izay nampanantenainao homena ny razamben'izy ireo ve aho? 13 Aiza no ahitako sakafo omena ity vahoaka rehetra ity? Mitomany eo anoloako izy ireo ary miteny hoe: 'Omeo sakafo ho hanina izahay.' 14 Tsy afaka ny hilanja ireo olona ireo irery aho. Be loatra ho ahy izy ireo. 15 Satria entinao tahaka izany aho, dia vonoy aho anio, raha tia ahy Ianao, ary esory amiko ny fahoriako." 16 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Hitondray loholon'Israely fito-polo Aho. Ataovy azo antoka fa loholona sy manam-boninahitry ny vahoaka tokoa izy ireo. Ento ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo mba hiara-hijoro aminao. 17 Hidina ary hiresaka aminareo any Aho. Haka ny sasany amin'ireo Fanahy izay ao aminao Aho ary hametraka izany amin'izy ireo. Hiara hilanja ny enta-mavesatr'ireo vahoaka hiaraka aminao izy ireo. Tsy hitondra izany irery ianao. 18 Lazao amin'ireo vahoaka hoe: 'Manokàna tena ianareo, ho amin'ny rahampitso ary hihinana hena tokoa ianareo, satria nitomany ianareo ary henon'i Yaveh. Ianao nilaza hoe: "Iza no hanome hena hohaninay? Tsara taminay ny tany Egypta." Noho izany Yaveh dia hanome sakafo ho anareo, ary hihinana izany ianareo. 19 Tsy hihinana sakafo mandritra ny iray andro, roa andro, dimy andro, folo andro, na roa-polo andro fotsiny ianareo, 20 fa hihinana sakafo mandritra ny iray volana manontolo mandra-pivoakan'izany eny amin'ny lavak'oronareo. Hahatsiravina anareo izany satria nandà an'i Yaveh, izay eo aminareo ianareo. Nitomany teo anatrehany ianareo. Hoy ianareo hoe: "Nahoana izahay no nandao an'i Egypta?""' 21 Ary hoy Mosesy hoe: "Miaraka amin'ny olona 600. 000 aho, ary hoy Ianao hoe: 'Hanome sakafo ho hanina ho azy ireo Aho mandritra ny iray volana.' 22 Tokony hamono ireo ondry aman'osy sy ny omby ve izany izahay hampifaliana azy ireo? Tokony hanjono ny trondro rehetra ao anaty ranomasina ve izahay mba hampifaliana azy ireo?" 23 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Fohy ve ny tanako? Izao dia ho hitanao raha marina ny teniko na tsia." 24 Nivoaka Mosesy ary nilaza tamin'ireo vahoaka ny tenin'i Yaveh. Nanangona loholona fito-polo tamin'ireo vahoaka izy ary nandahatra azy ireo nanodidina ny lay. 25 Nidina avy eny amin'ny rahona Yaveh ary niresaka tamin'i Mosesy. Naka ny Fanahy sasany izay tao amin'i Mosesy i Yaveh ary nametraka izany teo amin'ireo loholona fito-polo. Rehefa nitoetra tao amin'izy ireo ilay Fanahy, dia naminany izy ireo, saingy tamin'io fotoana io ihany fa tsy niverina intsony. 26 Lehilahy roa no nijanona tao amin'ny toby, nantsoina hoe Eldada sy Medada. Nitoetra tao amin'izy ireo ihany koa ilay Fanahy. Ny anaran'izy ireo dia voasoratra tao amin'ny lisitra, saingy tsy nivoaka ny lay izy ireo. Na dia izany aza, naminany tao amin'ny toby izy ireo. 27 Nisy tovolahy iray tao amin'ilay toby nihazakazaka ary niteny tamin'i Mosesy hoe: "Eldada sy Medada dia maminany ao amin'ny toby." 28 Josoa zanaka lahin'i Nona, mpanampin'i Mosesy, iray tamin'ireo lehilahy voafidiny, dia niteny tamin'i Mosesy hoe: "Ry Mosesy tompoko, sakano izy ireo." 29 Hoy Mosesy taminy hoe: "Saropiaro nohon'ny amiko ve ianao? Maniry aho raha mba mpaminany avokoa ny vahoakan'i Yaveh rehetra ary hametraka ny Fanahiny amin'izy rehetra ireo Izy!" 30 Avy eo Mosesy sy ireo loholon'Israely niverina tao amin'ny toby. 31 Avy eo dia nisy rivotra tonga avy any amin'i Yaveh ary nitondra papelika avy any anaty ranomasina. Nianjera teo akaikin'ny toby ireo, teo amin'ny lalana iray andro tany amin'ny andaniny ary lalana iray andro tany amin'ny ankilany. Nanodidina ny toby ireo papelika teo amin'ny roa akiho ambonin'ny tany. 32 Sahirana ireo olona nanangona ireo papelika tamin'izany andro izany, ny alina manontolo, ary ny andro manaraka. Tsy nisy nanangona papelika latsaky ny folo homera. Nizara ireo papelika nanerana ny toby rehetra izy ireo. 33 Raha mbola teo anelanelan'ny nifin'izy ireo ny sakafo, raha mbola nitsako izany izy ireo, dia tezitra tamin'izy ireo Yaveh. Namely ireo olona tamin'ny aretina lehibe Izy. 34 Nantsoina hoe Kibrota Hatava izany toerana izany satria tao no nandevenan'izy ireo ny olona izay naniry hena fatratra. 35 Niainga avy any Kibrota Havata ireo olona mba ho any Hazerota, izay nijanonan'izy ireo.
"Nandefa afo izay nandoro i Yaveh"
DH: "Nomen'izy ireo anarana izany toerana izany"
Mametraka io fanontaniana io ireo Israelita mba hitarainana sy hilazana ny fanirian'izy ireo zavatra hafa ankoatra ny mana mba hohanina. Afaka ambara amin'ny fehezanteny izany. DH: "Irianay mba hanana hena hohanina izahay."
"tsy te hihinana izahay" na "tsy afaka mihinana izahay"
Ny voan-drafy dia fantatra amin'ny hoe ravina voan-drafy ihany koa. Io voa io dia ampiasaina atao zava-manitra rehefa maina.
Io dia zavatra miraikidraikitra miloko mavo matroka.
Ny andianteny hoe "imason'i Mosesy" dia manambara ny heviny na ireo eritreriny. DH: "araka ny hevitr'i Mosesy"
Mitaraina amin'i Yaveh amin'ny fampiasana fanontaniana fampisainana vitsivitsy i Mosesy.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo i Mosesy mba hitarainana momba ny fomba hampijalian'Andriamanitra azy. Afaka ambara amin'ny fehezanteny ireo. DH: "Tokony tsy hampijaly mafy ahy, mpanomponao, Ianao. Tsy tokony ho tezitra amiko Ianao" na "Izaho, mpanomponao, dia tsy nanao zavatra tsy nety ka ampijalianao mafy ahy toy izao."
Mitaraina sy miresaka ny fitarihana ny vahoaka sy ny famatsiana azy ireo toy ny hoe milanja enta-mavesatra i Mosesy. DH: "Nataonao tompon'andraikitra amin'ireo vahoaka rehetra ireo aho, nefa mavesatra amiko loatra amiko izany"
Mampiasa ireo fanontaniana ireo i Mosesy mba hisarihana an'Andriamanitra hihevitra fa tsy rain'izy ireo i Mosesy. DH: "Tsy izaho no rain'ireo vahoaka rehetra ireo. Koa tsy rariny raha hiteny amiko Ianao hoe."
Midika izany fa tokony ho tompon'andraikitra amin'ny vahoaka izay tsy afaka mikarakara ny tenan'izy ireo, tahaka ny ray aman-dreny izay tsy maintsy mikarakara ny zanany i Mosesy.
Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy tokony hanantena ahy hitondra azy ireo Ianao...mba hanome azy ireo" na "Tsy vitako ny mitondra azy ireo...mba hanome azy ireo."
Mampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hitarainana fa tsy hay atao aminy ny hanome hanina ho an'ny vahoaka rehetra. DH: "Tsy afaka ny hahita sakafo sahaza ireo vahoaka rehetra ireo tokoa aho."
Miresaka ny fitarihana sy ny famatsiana ny vahoaka toy ny hoe milanja azy ireo i Mosesy. DH: "Tsy afaka ny hamatsy ireo vahoaka rehetra ireo irery aho"
Io dia fomba fiteny. DH: "Tena sarotra ho ahy izao andraikitra izao"
Ny hoe "Fanahy" eto dia manambara ny hery izay nomen'ny Fanahin'Andriamanitra an'i Mosesy mba ahafahan'i Mosesy manao izay lazain'Andriamanitra ho ataony. DH: "ny sasany amin'ny hery izay nomen'ny Fanahy anao"
Miresaka ny andraikitra dia ny fitarihana sy ny famatsiana ny vahoaka toy ny hoe enta-mavesatra izay holanjain'i Mosesy sy ireo mpitarika Andriamanitra. DH: "Hanampy anao hikarakara ny vahoaka izy ireo"
Miresaka ny andraikitra dia ny fitarihana sy ny famatsiana ny vahoaka toy ny hoe enta-mavesatra izay holanjain'i Mosesy sy ireo mpitarika Andriamanitra. DH: "Tsy hikarakara azy ireo irery ianao"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Mametraka io fanontaniana io ireo Israelita mba hitarainana sy hilazana ny fanirian'izy ireo zavatra hafa ankoatra ny mana mba hohanina. Afaka ambara amin'ny fehezanteny izany. DH: "Irianay mba hanana hena hohanina izahay."
Ireo mety ho heviny dia 1) Ny fandoavana dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe hivoaka eo amin'ny oron'izy ireo ny sakafo. DH: "mandra-mpararinareo sy handoavanareo" na 2) hihinana hena be loatra izy ireo ka ho toy ny hoe hivoaka ny oron'izy ireo izany. DH: "mandra-pahatsapanareo ho toy ny hoe hivoaka avy amin'ny oronareo izany"
Mampiasa io fanontaniana io ny olona mba hilazana fanenenana sy fitarainana. DH: "Tsy tokony niala tany Egypta mihitsy izahay."
Mampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hanehoana ny fiahiahiany fa tsy misy sakafo sahaza hamahanana ny vahoaka rehetra. DH: "Tokony hamono ny ondry aman'osy sy ny omby mantolo izahay ary haka ny trondro ao an-dranomasina mba hampifaliana azy ireo!"
Ireo teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Fa miaraka mba hanindriana ny isan'ny biby fiompy maro be.
Mampiasa io fanitarana io i Mosesy mba hanehoana fa tena tsy nino izy fa hahavatsy sakafo ho an'ny vahoakan'Israely rehetra izany.
"mba hamokisana azy ireo"
Eto ny teny hoe "tanana" dia manambara ny herin'Andriamanitra. Mampiasa io fanontaniana io Andriamanitra mba hibedesana an'i Mosesy tamin'ny nieritreretany fa tsy manan-pahefana hamatsy sakafo sahaza ny vahoaka Andriamanitra. DH: "Heverinao fa tsy manan-kery hanaovana izany ve Aho?" na "Tokony ho fantatrao fa mahery loatra ny hanao izany Aho."
Ny andianteny hoe "tenin'i Yaveh" dia manambara izay nolazain'i Yaveh. DH: "izay nolazain'i Yaveh"
Ny hoe "Fanahy" eto dia manambara ny hery izay nomen'ny Fanahin'Andriamanitra an'i Mosesy. DH: "ny hery sasany izay nomen'ny Fanahy an'i Mosesy" Jereo ny nandikanao io andianteny io ihany ao amin'ny 11:16.
Ny fanomezana hery amin'ireo loholona dia resahina toy ny hoe fametrahana ny Fanahy amin'izy ireo. DH: "nanome izany ho an'ireo loholona fitopolo" Jereo ny nandikanao io andianteny io ihany ao amin'ny 11:16.
Ny fananana hery avy amin'ny Fanahy dia resahina toy ny hoe nitoetra tao amin'izy ireo ny Fanahy. DH: "Rehefa manana hery avy amin'ny Fanahy izy ireo"
Ny fanomezan'ny Fanahy hery azy ireo dia resahina toy ny hoe nitoetra tao amin'izy ireo ny Fanahy. DH: "Nanome hery azy ireo ihany ny Fanahy"
DH: "Nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lisitra ihany koa ny anaran'izy ireo"
"sakano mba tsy haminany izy ireo"
Mampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hibedesana an'i Josoa. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Tsy tokony ho saropiaro noho ny amiko ianao."
Izay mety maha-saropiaro an'i Josoa dia afaka ambara mazava raha ilaina. DH: "Nihevitra ve ianao fa mety naka zavatra izay ahy izy ireo?" na "Nihevitra ve ianao fa tsy hanaja ny fahefako ny vahoaka?"
Ny fanomezan'ny Fanahin'Andriamanitra hery ny olona dia resahin'i Mosesy toy ny hoe nametraka ny Fanahiny tamin'izy ireo Andriamanitra. DH: "fa hanome hery ho azy rehetra ireo ny Fanahin'Andriamanitra"
vorona kely
"tamin'ny lalana rehetra hatrany amin'izay lavitra vitan'ny olona handehanana anatin'ny iray andro"
Ny hakiho dia mari-pandrefesana mira 46 santimetatra eo ho eo. DH: "eo ho eo amin'ny 92 santimetatra" na "eo ho eo amin'ny 1 metatra"
DH: "Nanangona papelika folo homera fara-fahakeliny ny olona rehetra"
Ny homera dia mari-pandrefesana mira 220 litatra eo ho eo. DH: "22.00 litatra"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ireo miaraka dia manindry fa nanasazy azy ireo teo no ho eo Andriamanitra, na dia mbola nihinana ny hena aza izy ireo. DH: "Raha mbola nihinana ny hena izy ireo"
DH: "Nantsoin'izy ireo hoe Kibrota Hatava izany toerana izany"
Io dia anaran-toerana any an'efitra.
1 Avy eo Myriama sy Arona niresaka nanohitra an'i Mosesy noho ilay vehivavy Kosita izay nampakariny. 2 Hoy izy ireo hoe: "Mosesy ihany ve no niresahan'i Yaveh? Moa tsy niresaka tamintsika koa ve Izy?" Ary ren'i Yaveh izay nolazain'izy ireo. 3 Ary tena manetri-tena ilay lehilahy Mosesy, be fanetre-tena noho ny olona rehetra eto an-tany. 4 Teo no ho eo Yaveh dia niresaka tamin'i Mosesy, Arona, ary Miriama hoe: "Mivoaha, ianareo telo, ho any amin'ny trano-lay fihaonana." Noho izany dia nivoaka izy telo. 5 Avy eo Yaveh nidina teny amin'ny andrin-drahona. Nitsangana teo amin'ny fidirana ao amin'ny lay Izy ary niantso an'i Arona sy Miriama. Samy nandroso izy roa. 6 Hoy Yaveh hoe: "Ankehitriny henoy ny teniko. Rehefa miaraka aminareo ny mpaminaniko, dia hanambara ny tenako aminy amin'ny fahitana Aho ary hiresaka aminy anaty nofy. 7 Tsy toy izany Mosesy mpanompoko. Mahatoky izy ao amin'ny tranoko rehetra. 8 Miresaka mivantana amin'i Mosesy Aho, fa tsy amin'ny fahitana na ankamantatra. Hitany ny endriko. Koa nahoana ianareo no tsy matahotra ny hiresaka hanohitra ny mpanompoko, manohitra an'i Mosesy?" 9 Nirehitra tamin'izy ireo ny hatezeran'i Yaveh, ary avy eo Izy nandao azy ireo. 10 Niala teo amin'ny lay ilay rahona, ary Miriama lasa boka tampoka—fotsy toy ny oram-panala izy. Rehefa nitodika tany amin'i Miriama i Arona, dia hitany fa nisy habokana izy. 11 Hoy Arona tamin'i Mosesy hoe: "Ry tompoko, aza hazonina aminay ity fahotana ity. Niresaka adaladala izahay, ary nanota. 12 Aza avela ho toy ny zaza vao teraka maty izy izay lany ny antsasaky ny nofony raha vao teraka avy ao an-kibon-dreniny." 13 Noho izany dia niantso an'i Yaveh i Mosesy. Hoy izy hoe: "Miangavy re mba sitrano izy, ry Andriamanitra, miangavy." 14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Raha nandrora tamin'ny tavany ny rainy, dia ho afa-baraka mandritra ny fito andro izy. Hidio any ivelan'ny toby mandritra ny fito andro izy. Aorian'izany dia ento miverina aty indray izy." 15 Koa dia nohidina tany ivelan'ny toby nandritra ny fito andro izy. Tsy nandeha ny vahoaka nandra-piveriny tao an-toby. 16 Taorian'izany, dia niala avy tao Hazerota ny vahoaka ary nitoby tany an'efitr'i Parana.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo i Miriama sy Arona mba hitarainana fa manam-pahefana maro i Mosesy fa izy ireo tsy mba nanana. Afaka ambara ho fehezanteny izany. DH: "Tsy niresaka tamin'i Mosesy irery ihany i Yaveh. Niresaka taminay ihany koa Izy."
Ny teny hoe "Ary" dia misarika ny saina amin'ny teboka manan-danja izay manaraka eo.
Ny hoe "Ary" dia nampiasaina mba hanamarika fihatoana ao amin'ny vontoatin'ny fizotry ny tantara. Mitantara fampahalalana fototra momba ny toetran'i Mosesy ny mpanoratra.
Ny endriky ny rahona dia resahina toy ny hoe andry. DH: "rahona niendrika toy ny andry" na "rahona lava be"
"Tsy miresaka amin'i Mosesy tahaka izany Aho"
Eto ny hoe "trano" dia manambara ny firenen'Israely. Ny hoe mahatoky ao amin'ny tranon'Andriamanitra dia manambara ny hoe mahatoky amin'ny fitarihana ny Israely. DH: "Mitarika ny vahoakako am-pahatokiana i Mosesy" na "Mosesy no ilay iray izay hitokiako mba hitarika an'Israely vahoakako"
Mametraka io fanontaniana io i Yaveh mba hibedesana an'i Miriama sy Arona. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Tokony hatahotra ny hiresaka hanohitra ny mpanompoko, hanohitra an'i Mosesy ianareo."
Ny andianteny hoe "manohitra an'i Mosesy" dia manazava fa izy no "mpanompo" izay resahin'i Yaveh. DH: "hanohitra ny mpanompoko, dia i Mosesy"
Ny hatezeran'i Yaveh dia resahina toy ny hoe afo izany. DH: "Lasa tezitra mafy tamin'izy ireo i Yaveh"
Nampivadika ny hoditr'i Miriama ho fotsy ny habokana. DH: "lasa fotsy boboka"
Ny fihazonana ny fahotan'ny olona hanohitra azy ireo dia hilazana fa meloka noho ny fahotany izy ireo. Eto dia manambara ny fanasaziana azy ireo noho ny fahotan'izy ireo izany.
Nahatonga ny vatany ho lo mandra-pahafatiny ny habokan'i Miriama. Ny fahalovan'ny vatana dia resahina toy ny hoe nohanina izany. DH: "Aza avela ho tahaka ny zaza vao teraka izay lo ny vatany re izy"
Eto ny hoe "miangavy'' dia naverina mba hanindriana.
Io dia manoritsoritra zavatra izay mety hiseho fa tsy niseho. Ny fandrorana amin'ny tavan'ny olona dia fanesoana tena ratsy.
Ny hoe voaroaka hiala ny toby sy ny hoe tsy navela hiverina dia resahina toy ny hoe misy varavarana izay nohidina rehefa lasa izy. DH: "Nalefa hivoaka ny toby i Miriama" na "Najanona tany ivelan'ny toby i Miriama"
DH: "Nidian'i Mosesy tany ivelan'ny toby i Miriama" na "Nandefa an'i Miriama tany ivelan'ny toby i Mosesy"
Io dia anaran-toerana any an'efitra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 11:33.
1 Dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy hoe: 2 "Mandefasa lehilahy maromaro mba hizaha ny tany Kanana, izay nomeko ny vahoakan'Israely. Mandefasa lehilahy iray avy amin'ny fokon'ny razamben'izy ireo rehetra. Ireo lehilahy tsirairay dia tsy maintsy mpitarika eo amin'izy ireo." 3 Nandefa azy ireo avy tany an'efitr'i Parana i Mosesy, mba hahafahan'izy ireo mankatoa ny didin'i Yaveh. Izy rehetra dia samy mpitarika teo amin'ny vahoakan'Israely avokoa. 4 Ireto no anaran'izy ireo: avy amin'ny fokon'i Robena dia i Samoa zanaka lahin'i Zakora; 5 avy amin'ny fokon'i Simeona dia i Safata, zanaka lahin'i Hory; 6 avy amin'ny fokon'i Joda dia i Kaleba zanaka lahin'i Jefone; 7 avy amin'ny fokon'i Isakara dia i Jigala zanaka lahin'i Josefa; 8 avy amin'ny fokon'i Efraima dia i Hosea zanaka lahin'i Nona; 9 avy amin'ny fokon'i Benjamina dia i Palty zanaka lahin'i Rafo; 10 avy amin'ny fokon'i Zebolona dia i Gadiela zanaka lahin'i Sody; 11 avy amin'ny fokon'i Josefa (izay midika hoe avy amin'ny fokon'i Manase) dia i Gady zanaka lahin'i Sosy; 12 avy amin'ny fokon'i Dana dia i Amiela zanaka lahin'i Gemaly; 13 avy amin'ny fokon'i Asera dia i Setora zanaka lahin'i Mikaela; 14 avy amin'ny fokon'i Naftaly dia i Naby zanaka lahin'i Vofsy; 15 avy amin'ny fokon'i Gada dia i Geoela zanaka lahin'i Maky. 16 Ireo no anaran'ireo lehilahy izay nalefan'i Mosesy mba hizaha ny tany. Nantsoin'i Mosesy tamin'ny anaran'i Josoa i Hosea zanaka lahin'i Nona. 17 Nalefan'i Mosesy mba hizaha ny tany Kanana izy ireo. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Midira avy any Negeva ary miakara any amin'ny tany havoana. 18 Zahao ny tany mba hahitana hoe toy ny ahoana. Diniho ny mponina mipetraka ao, na matanjaka na malemy, ary na vitsy na maro. 19 Jereo ny toetry ny tany ipetrahan'izy ireo. Tsara ve izany sa ratsy? Tanàna inona no ao? Toy ny toby ve izy ireo, sa tanàna mimanda? 20 Zahao ny toetry ny tany, raha tsara ho an'ny fambolena na tsia, ary raha misy hazo maniry ao na tsia. Mahereza ka mitondrà santionany amin'ny vokatry ny tany." Ary izany fotoana izany dia fotoan'ny voaloham-boaloboka masaka. 21 Koa dia niakatra ireo lehilahy ireo ka nisafo ny tany avy any an'efitr'i Sina ka hatrany Rehoba, akaikin'i Lebo Hamata. 22 Niakatra avy tany Negeva izy ireo ary tonga tany Hebrona. Ahimana, Sesay, ary Talmay, ireo foko avy amin'i Anaka dia tao. Ary Hebrona dia efa tafajoro fito taona mialohan'i Zoana any Egypta. 23 Rehefa tonga tao amin'ny Lohasahan'i Eskola izy ireo, dia nanapaka sampam-boaloboka. Nolanjain'ny roa tamin'izy ireo tamin'ny tehina izany. Nitondra ampongaben-danitra sy aviavy ihany koa izy ireo. 24 Izany toerana izany dia nantsoina hoe Lohasahan'i Eskola, noho ny sampam-boaloboka izay notapahin'ny vahoakan'Israely tao. 25 Afaka efapolo andro, dia niverina avy tany am-pizahana ny tany izy ireo. 26 Niverina tany amin'i Mosesy, Arona, ary ireo fivondronan'ny vahoakan'Israely tany an'efitr'i Parana, tany Kadesy izy ireo. Nitondra valin-teny tamin'izy ireo sy tamin'ny fivondronana rehetra, ary naneho tamin'izy ireo ny vokatra avy ao amin'ilay tany izy ireo. 27 Hoy izy ireo tamin'i Mosesy hoe: "Tonga tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay. Tena tondra-dronono sy tantely tokoa izany. Indreto ny ampahany tamin'ny vokatra avy tao amin'izany. 28 Na izany aza, ireo olona izay manao ny fonenan'izy ireo ao dia matanjaka. Ireo tanàna dia mimanda sy midadasika. Nahita ny taranak'i Anaka tao ihany koa izahay. 29 Ireo Amalekita monina any Negeva. Ireo Hetita, Jebosita, ary ireo Amorita dia manorina ny tranon'izy ireo any amin'ny tany havoana. Ireo Kananita dia monina eny amoron-dranomasina sy manaraka ny Ony Jordana." 30 Ary Kaleba nampangina ireo vahoaka izay teo anatrehan'i Mosesy ka nanao hoe: "Aoka izahay hiakatra ary haka ny tany ho fananana, satria vitantsika tokoa ny mandresy izany." 31 Fa ireo lehilahy hafa izay niaraka tamin'izy ireo nanao hoe: "Tsy vitantsika ny hanafika ireo vahoaka satria matanjaka noho isika izy ireo." 32 Koa dia nanely tatitra mahakivy tamin'ny vahoakan'Israely mahakasika ny tany izay avy nozahany izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Ny tany izay nojerenay dia tany mihinana ny mponiny. Ny olona rehetra izay hitanay dia goavana sy ranjanana avokoa. 33 Nahita ireo olona goavana tao izahay, taranak'i Anaka, olona izay avy amin'ny goavana. Raha ny fijerinay manokana dia tahaka ny valala isika raha ampitahaina amin'izy ireo, ary izany koa izahay raha ny fijerin'izy ireo."
Nanapa-kevitra Andriamanitra fa ho an'ny vahoakan'Israely ny tany Kanana, nefa tsy mbola nifindra tao amin'izany izy ireo. DH: "izay efa nanapahako hevitra fa homena" na "izay efa homeko tsy ho ela"
"Ny lehilahy tsirairay izay nalefanao dia tsy maintsy ho mpitarika eo amin'ny fokony"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy avokoa.
Ireo dia anaran-dehilahy avokoa.
Ny fifandraisana eo amin'i Josefa sy Manase dia afaka ambara mazava. DH: "avy amin'ny fokon'i Josefa zanak'i Manase"
Ireo dia anaran-dehilahy avokoa.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 13:5 io anaran-dehilahy io.
Mametraka ireo fanontaniana ireo i Mosesy mba hanazavana ny karazana fampahalalana izay tokony ho taterin'ireo lehilahy any aminy. Ireo dia afaka ambara amin'ny fehezanteny. DH: "Jereo raha tsara na ratsy ny tany, karazana tanàna toy ny ahoana ireo, na toby fotsiny ihany ireo tanàna ireo, na manda fiarovana manodidina azy ireo izany."
Ny tanàna mimanda dia misy manda mafy manodidina azy mba hiarovana ireo amin'ny tafika fahavalo. Tsy manana ireo manda ireo ny toby.
Ireo dia anaran-toerana.
Ny teny hoe "Sina" eto dia anaran'efitra Hebreo.
DH: "nanangana an'i Hebrona 7 taona mialohan'ny nananganan'ireo Egyptiana an'i Zoana ireo Kananita"
Ireo dia anaram-pianakaviambe izay nampitondraina ny anaran'ny razamben'izy ireo.
Io dia anaran-dehilahy.
Io dia anaran-toerana.
"teo amin'ireo lehilahy roa tao amin'ny vondron'izy ireo"
DH: "Izany toerana izany dia nantsoin'izy ireo"
"Afaka 40 andro"
Ny hoe "valin-teny" dia manondro ny tatitra. DH: "Nitondra ny tatitr'izy ireo niverina izy ireo" na "Nitatitra izay hitany izy ireo"
"Tondraka ao tokoa ny ronono sy tantely." Ny tany tsara ho an'ny biby sy ny zava-maniry dia resahin'izy ireo toy ny hoe tondraka ao amin'ilay tany ny ronono sy ny tantely avy amin'ireo biby sy zava-maniry ireo. DH: "Tena tsara ho an'ny fiompiana biby fiompy sy fambolena vokatra tokoa izany" na "Tena tany mahavokatra tokoa izany"
Satria avy amin'ny ombivavy sy osivavy ny ronono, dia manambara ny biby fiompy sy ny sakafo novokarina avy amin'ny biby fiompy izany.
Satria novokarina avy amin'ny voninkazo ny tantely, dia manambara ireo vokatra sy ny sakafo novokarina avy amin'ireo vokatra izany. DH: "sakafo avy amin'ireo vokatra"
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo lehilahy rehetra izay nisafo ny tany afa-tsy Kaleba sy Josoa.
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo lehilahy rehetra izay nisafo ny tany anisan'izany Kaleba sy Josoa.
Ny tany, na ny mponin'ny tany, izay mampidi-doza dia resahin'ireo lehilahy toy ny hoe mihinana ny mponina ilay tany. DH: "tany tena mampidi-doza" na "tany izay ao no hamonoan'ny olona anay"
Io dia anaran-dehilahy.
Eto ny hoe fijery dia manambara ny hevitra. DH: "Araka ny hevitray...araka ny hevitr'izy ireo"
Miresaka ny valala ireo lehilahy mba hanehoana fa tena kely ny fiheveran'izy ireo ny tenany raha ampitahaina amin'ny mponin'ilay tany. DH: "kely tahaka ny valala isika raha oharina amin'izy ireo"
1 Tamin'izany alina izany dia nitomany mafy ny fiangonana rehetra. 2 Nitsikera an'i Mosesy sy Arona ny vahoakan'Israely rehetra. Hoy ny fiangonana manontolo tamin'izy ireo: "Naleonay maty tany amin'ny tany Egypta, na eto amin'ity efitra ity! 3 Nahoana no nitondra anay tamin'ity tany ity mba ho fatin-tsabatra Yaveh? Hanjary ho lasibatra amin'izany ny vadinay sy ny zanakay. Moa ve tsy tsara ho anay ny miverina any Egypta?" 4 Nifampiteny izy ireo hoe: "Ndeha isika hifidy mpitarika hafa, ka ndeha isika hiverina any Egypta." 5 Dia niankohoka tamin'ny tavany teo anoloan'ny fivorian'ny fiangonan'ny vahoakan'Israely rehetra i Mosesy sy Arona. 6 Nandrovitra ny fitafian'izy ireo i Josoa zanak'i Nona sy Kaleba zanak'i Jefone, izay sasany tamin'ireo nalefa mba hisafo ny tany. 7 Niteny tamin'ny fiangonan'ny vahoakan'i Israely rehetra izy ireo. Hoy izy ireo: "Ny tany izay nandehananay sy nosafoinay dia tany soa tokoa. 8 Raha mankasitraka antsika Yaveh, dia hitondra antsika any amin'izany tany izany sy hanome izany ho antsika Izy. Dia tany tondra-dronono sy tantely. 9 Nefa aza mikomy amin'i Yaveh, ary aza matahotra ny mponin'ny tany. Handevona azy ireo mora foana tahaka ny hanina isika. Ho esorina amin'izy ireo ny fiarovana azy ireo, satria momba antsika Yaveh. Aza matahotra azy ireo." 10 Fa nandrahona hitora-bato hamono azy ireo ny fiangonana rehetra. Dia niseho tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny vahoakan'Israely rehetra ny voninahitr'i Yaveh. 11 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Mandra-pahoviana no hanaovan'ity vahoaka ity tsinontsinona Ahy? Mandra-pahoviana no tsy hatokian'izy ireo Ahy, na dia teo aza ireo famantarana ny heriko rehetra izay efa nataoko teo amin'izy ireo? 12 Hamely azy ireo amin'ny areti-mandringana Aho, tsy hampandova azy ireo, ary hanangana firenena izay ho lehibe sy mahery noho izy ireo avy amin'ny fokonao ihany Aho." 13 Hoy Mosesy tamin'i Yaveh: "Raha manao izany Ianao, dia handre ny momba izany ny Egyptiana, satria efa namonjy ity vahoaka ity tamin'izy ireo tamin'ny herinao Ianao. 14 Hilaza izany amin'ireo mponin'ity tany ity izy ireo. Efa ren'izy ireo fa Ianao, Yaveh, no miaraka amin'ity vahoaka ity, satria efa hita nifanatri-tava Ianao. Nijoro teo amin'ny vahoakanay ny rahonao. Nialoha azy ireo tamin'ny andry rahona Ianao ny andro ary tamin'ny andry afo ny alina. 15 Ankehitriny raha mamono ity vahoaka ity tahaka ny olona iray Ianao, dia hiteny ireo firenena izay nandre ny lazanao ka hanao hoe: 16 'Satria tsy nahavita nitondra ity vahoaka ity tany amin'ny tany izay nianianany homena azy ireo Yaveh, dia novonoiny tany an'efitra izy ireo.' 17 Ankehitriny, mitalaho Aminao aho, ampiasao ny herinao lehibe. Fa efa nilaza Ianao hoe: 18 'Tsy malaky tezitra Yaveh ary tsy mivadi-panekena. Mamela heloka sy fahotana Izy. Tsy mba manamarina ny meloka Izy fa mamaly ny fahotan'ny razambe amin'ny taranak'izy ireo, dia amin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra.' 19 Mamelà, mitalaho Aminao aho, ny fahotan'ity vahoaka ity nohon'ny halehiben'ny famindram-ponao, tahaka ny efa namelanao mandrakariva ity vahoaka ity nanomboka tamin'ny fotoana naha-tany Egypta azy ireo mandraka ankehitriny." 20 Hoy Yaveh: "Efa namela azy ireo amin'ny fanatanterahana ny fangatahanao Aho, 21 nefa marina tokoa, raha velona koa Aho, ary raha ho feno ny voninahitro koa ny tany rehetra, 22 ireo olona rehetra izay nahita ny voninahitro sy ny famantarana ny hery izay nataoko tany Egypta sy tany an'efitra ireo—dia mbola naka fanahy Ahy izay impolo izay izy ireo ary tsy nihaino ny feoko. 23 Koa milaza Aho fa tsy hahita ny tany izay efa nianianako tamin'ireo razambeny tokoa izy ireo. Tsy hisy na iray amin'ireo izay nanao tsinontsinona Ahy hahita izany, 24 afa-tsy i Kaleba mpanompoko, satria manana fanahy hafa izy. Efa nanaraka Ahy tanteraka izy; dia hitondra azy ao amin'ny tany izay nandehanany hosafoina Aho. Haka izany ho fananany ireo taranany. 25 (Ary ireo Amalekita sy Kananita dia nonina tany an-dohasaha.) Miverena ka mandehana any an'efitra amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena rahampitso.'" 26 Niteny tamin'i Mosesy sy Arona Yaveh. Hoy Izy: 27 "Mandra-pahoviana no handeferako ity fiangonana ratsy izay manakihana Ahy ity? Efa reko ny fitarainan'ny vahoakan'ny Israely ny Amiko. 28 Lazao amin'izy ireo hoe: 'Raha velona koa Aho', hoy Yaveh, 'araka ny nolazainareo teo an-tsofiko, no hanaovako izao aminareo Aho: 29 Hiampatra any an'efitra ny fatinareo, dia ianareo rehetra izay nitaraina ny Amiko, ianareo izay voaisa tamin'ny fanisam-bahoaka, ny fitambaran'isan'ny olona roapolo taona no ho miakatra. 30 Tsy hiditra any amin'ny tany izay nampanantenaiko hataonareo fonenana tokoa ianareo, afa-tsy Kaleba zanak'i Jefone sy Josoa zanak'i Nona. 31 Nefa ny zanakareo izay lazainareo fa ho lasibatra, dia ho entiko miditra ao amin'ny tany izy ireo. Hiaina any amin'ny tany izay nolavinareo izy ireo! 32 Ary ny aminareo, hiampatra any an'efitra ny fatinareo. 33 Ho mpiandry ondry any an'efitra mandritra ny efapolo taona ireo zanakareo. Tsy maintsy hizaka ny vokatry ny asa fikomianareo mandra-pahafatinareo any an'efitra izy ireo. 34 Tahaka ny isan'ny andro izay nisafoanareo ny tany—efapolo andro, dia tsy maintsy hizaka ny vokatry ny fahotanareo mandritra ny efapolo taona toy izany koa ianareo—herintaona ho an'ny iray andro, dia ho fantatrareo hoe ahoana izany ho fahavaloko izany. 35 Izaho, Yaveh, no efa niteny. Hataoko ho an'ity fiangonana ratsy izay miara-miangona hanohitra Ahy ity tokoa izany. Hofongorina tanteraka izy ireo, ka ho faty eto.'" 36 Koa ireo lehilahy izay nirahin'i Mosesy mba hijery ny tany 37 dia matin'ny areti-mandringana teo anatrehan'i Yaveh avokoa. Ireo dia ny lehilahy izay niverina ka nitati-dratsy momba ny tany. Izany no nampitaraina ny fiangonana rehetra ny amin'i Mosesy. 38 Amin'ireo lehilahy izay nandeha mba hijery ny tany, dia i Josoa zanak'i Nona sy Kaleba zanak'i Jefone ihany no ho sisa velona. 39 Rehefa nitatitra ireo teny ireo tamin'ny vahoakan'ny Israely rehetra i Mosesy, dia nalahelo mafy izy ireo. 40 Nifoha maraim-be izy ireo ka nankany an-tampon-tendrombohitra ary nanao hoe: "Indro, indreto izahay, ary handeha ho any amin'ny toerana izay nampanantenain'i Yaveh, fa efa nanota izahay." 41 Nefa hoy Mosesy: "Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Yaveh ankehitriny? Tsy hahomby ianareo. 42 Aza mandeha, satria tsy momba anareo hanakana anareo tsy ho resin'ny fahavalonareo Yaveh. 43 Any ireo Amalekita sy ireo Kananita, ka ho fatin-tsabatra ianareo satria efa nihodina tamin'ny fanarahana an'i Yaveh ianareo. Koa tsy homba anareo Izy." 44 Nefa nahasahisahy niakatra tany amin'ny tany havoana izy ireo; na izany aza, dia tsy niala tao an-toby na i Mosesy na ny fiaran'ny faneken'i Yaveh. 45 Dia nidina ireo Amalekita, sy ireo Kananita izay nonina tao amin'ireo havoana ireo koa. Nanafika ireo Israelita sy nandresy azy ireo teny an-dalana mankany Horma rehetra izy ireo.
Mampiasa io fanontaniana io ny vahoaka mba hitarainana sy hiampangana an'i Yaveh ho nampijaly azy ireo. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Tsy tokony nitondra anay tamin'ity tany ity fotsiny ihany mba hahafaty anay amin-tsabatra i Yaveh."
Eto ny "sabatra" dia manambara na ny matin'ny sabatra na ny maty anatin'ny ady. DH: "mba ho faty rehefa misy olona manafika anay amin-tsabatra" na "mba ho faty an'ady"
Mampiasa io fanontaniana io ny vahoaka mba handrisihana ny olona hanaiky azy ireo fa tsara kokoa ny miverina any Egypta. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Ho tsara kokoa ho antsika ny miverina any Egypta noho ny manandrana ny haka an'i Kanana."
Io dia manondro ny vahoakan'Israely.
"niankohoka ary ny tavan'izy ireo dia nikasika amin'ny tany." Nanao izany i Mosesy sy Arona mba hanehoana fa nanetry tena teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo. Natahotra izy ireo fa mety hanasazy ny vahoaka tamin'ny fikomiana taminy Andriamanitra. DH: "niankohaka tamim-panetre-tena tamin'Andriamanitra" na "niankohoka mba hivavaka amin'Andriamanitra"
Ireo dia anaran-dehilahy.
DH: "izay sasany tamin'ireo nalefan'i Mosesy"
Ny fandrovitana akanjo dia fihetsika hilazana fa tena ory sy misaona ilay olona.
Ny tany tsara ho an'ny biby sy ny zava-maniry dia resahin'izy ireo toy ny hoe tondraka ao amin'ilay tany ny ronono sy ny tantely avy amin'ireo biby sy zava-maniry ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:27. DH: "Tena tsara ho an'ny fiompiana biby fiompy sy fambolena vokatra tokoa izany" na "Tena tany mahavokatra tokoa izany"
Manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely i Josoa sy Kaleba.
Ny fandravana ny fahavalon'izy ireo dia resahin'i Josoa sy Kaleba toy ny hoe hohaniny izy ireo. DH: "Handrava azy ireo mora foana tahaka ny mihinana sakafo isika"
DH: "Hanala ny fiarovan'izy ireo amin'izy ireo i Yaveh"
Io dia manondro ny hoe na iza na iza na inona na inona mety hiaro azy ireo. DH: "Ny rehetra izay mety hiaro azy ireo"
Mampiasa io fanontaniana io i Yaveh mba hanehoana fa tezitra Izy ary tsy nanana faharetana tamin'ny olona intsony. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Efa nanao tsinontsinona Ahy efa nandritra ny ela tokoa ity vahoaka ity. Tsy natoky Ahy efa nandritra ny ela izy ireo, na dia teo aza ireo famantarana...izy ireo?
"nanary azy ireo tsy ho vahoakany." Mety manazava izany fa hamotika azy ireo Izy, ary ireo dikan-teny sasany dia mandika io tahaka izany.
Eto ny hoe "-nao'' dia manondro an'i Mosesy.
Ireo mety ho heviny dia 1) Ny fanehoan'Andriamanitra ny tenany tamin'ny vahoakany dia resahin'i Mosesy toy ny hoe efa namela azy ireo hahita ny endriny tokoa Andriamanitra. DH: "hitan'izy ireo Ianao" na 2) Ny fifandraisana akaiky eo aminy sy Andriamanitra dia resahin'i Mosesy toy ny hoe afaka mahita ny tavan'Andriamanitra i Mosesy rehefa miresaka aminy Andriamanitra. DH: "miresaka mivantana amiko Ianao"
Ny famonoana azy ireo indray mandeha dia resahina toy ny hoe famonoana azy ireo tahaka ny olona iray. DH: "indray miaraka" (UDB)
"tsy hanamarina ny olo-meloka tokoa Izy." Ny fanamarinana ny fahotan'ny olona dia sarinteny hilazana ny fandavana ny hanasazy azy ireo. Tsy hanamarina ny fahotan'ny olo-meloka Andriamanitra. DH: "Hanafay ny meloka foana Izy"
Ny fanasaziana ny olona dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka entina sy apetraka amin'ny olona ny sazy. DH: "rehefa manasazy ny heloky ny taranaky ny olona noho ny heloky ny fahotan'ny olona Izy"
DH: "hameno ny tany rehetra ny voninahitro"
"manohy mitsapa Ahy ihany izy ireo"
Eto ny isa 10 dia manambara fotoana imbetsaka tokoa. DH: "imbetsaka tokoa"
Eto ny hoe "nihaino" dia manambara fankatoavana, ary ny feon'Andriamanitra dia manambara izay nolazainy. DH: "tsy nankatoa izay nolazaiko"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Eto ny hoe "fanahy" dia manambara ny fitondran-tenany. Naniry ny hankato an'Andriamanitra i Kaleba. Izay fitondran-tenany dia afaka ambara mazava. DH: "satria nanana fitondran-tena hafa izy" na "satria naniry ny hankato an'Andriamanitra izy"
Mametraka io fanontaniana io i Yaveh satria tsy nahavita niharitra ny vahoaka Izy. Afaka ambara amin'ny fehezanteny izany. DH: "Efa nandefitra ity fiangonana ratsy izay nanakiana Ahy efa ela izay ity Aho."
Ny teny hoe ''fitarainana" dia anarana, afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "Efa reko nitaraina ny vahoakan'Israely"
"araka ny efa reko nolazainareo"
Ny fatin'izy ireo miampatra dia manambara ny fahafatesan'izy ireo. DH: "Ho faty ianareo"
DH: "ianareo izay nisain'i Mosesy tao amin'ny fanisam-bahoaka"
"roapolo taona no ho mihoatra"
Ny fatin'izy ireo miampatra dia manambara ny fahafatesan'izy ireo. DH: "Ho faty ianareo"
Ireo dikan-teny sasany vaovao dia mifidy ny handika hoe: "Hirenireny any an'efitra ny zanakareo." Izany satria tamin'ny fotoana fahiny, dia nirenireny nifindrafindra toerana ireo mpiandry ondry matetika mba ho afaka mahita tany hinanam-bilona ireo ondry aman'osy sy ny ombin'izy ireo.
"Tsy maintsy hijaly noho ny vokatry ny asanareo izy ireo" na "Tsy maintsy hijaly noho ny asanareo izy ireo"
Ny faty dia vatana mangatsiaka. Ny faran'ny fatin'izy ireo dia manambara ny maty farany amin'izy ireo. DH: "mandra-pahafatin'ny olona farany aminareo" na "mandra-pahafatin'izy rehetra"
"mijaly noho ny vokatry ny fahotanareo" na "mijaly noho ny fahotanareo"
Mety midika izany fa tsy hisy intsony izy ireo. DH: "ho tapitra izy ireo" na "ho ringana avokoa izy rehetra"
Efa nalamina indray ny fampahalalana ao amin'ny 14:36 mba ho mora takarina ny heviny.
"matin'ny areti-mandringana teo anatrehany." Satria milaza izany fa maty teo anatrehany izy ireo, dia midika izany fa nahatonga azy ireo ho faty Izy. DH: "matin'ny areti-mandringana teo amin'ny fanatrehan'i Yaveh izay nataony"
Ny hoe "Indro" eto dia manampy fanindriana ny amin'izay manaraka eo. "Eny tokoa"
Mametraka io fanontaniana io i Mosesy mba hibedesana ny vahoakan'Israely. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy tokony nandika ny didin'i Yaveh intsony ianareo."
Ny fanampiana azy ireo dia resahina toy ny hoe fombana azy ireo. DH: "Tsy hanampy anareo i Yaveh"
DH: "mba hanakana ny fahavalonareo tsy handresy anareo" na "mba hanome fandresena ireo fahavalonareo anareo"
Eto ny hoe "sabatra" dia manondro ny ady. DH: "ho faty an'ady ianareo" na "hamono anareo izy ireo rehefa miady amin'izy ireo ianareo"
Ny fankatoavana an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe fanarahana Azy, ary ny fitsaharana tsy hanao intsony dia resahina toy ny hoe fihodinana Aminy. DH: "nitsahatra tsy hankatoa an'i Yaveh ianareo" na "efa nanapa-kevitra ny tsy hankatoa an'i Yaveh ianareo"
Ny fanampiana azy ireo dia resahina toy ny hoe fombana azy ireo. DH: "Tsy hanampy anareo i Yaveh"
"sahy niakatra teny amin'ny tany havoana izy ireo na dia tsy neken'Andriamanitra aza"
Maro amin'ny tanin'ny Israely no ambony. Rehefa miampita ny lohasahan'ny Reniranon'i Jordana ireo Israelita mba hanafika ireo Kananita, dia nisy havoana izay tokony hanihan'izy ireo mba handehanana lavitra any amin'ny tany Kanana.
1 Ary niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy: 2 "Miresaha amin'ny vahoakan'i Israely ary teneno izy ireo hoe: 'Rehefa handeha any amin'ny tany izay honenanareo ianareo, dia izay homen'i Yaveh anareo, 3 dia hanomana fanatitra amin'ny afo ho an'i Yaveh ianareo, na fanatitra dorana na sorona mba hanatanterahana voady na fanatitra an-tsitra-po, na fanatitra amin'ny fanasanareo, mba hamokatra hanitra ankasitrahana ho an'i Yaveh, avy amin'ny omby na ondry. 4 Aoka hanolotra sorona dorana ho an'i Yaveh ianareo ary koa ampahafolon'ny efaha amin'ny lafarina tsara toto voaharoharo amin'ny menaka ampahefatry ny hina ho fanatitra hohanina. 5 Aoka hanolotra divay ampahefatry ny hina ho fanatitra sotroina ho an'ny zanak'ondry tsirairay ihany koa ianareo, miaraka amin'ny fanatitra dorana, na ho an'ny sorona. 6 Raha manolotra ondry lahy ianareo, dia aoka hanomana lafarina tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo amin'ny menaka ampahatelon'ny hina ianareo ho fanatitra hohanina. 7 Ny amin'ny fanatitra sotroina, aoka hanolotra divay ampahatelon'ny hina ianareo. Hamokatra hanitra mani-pofona ho an'i Yaveh izany. 8 Raha manomana omby ho fanatitra dorana ianareo na ho sorona hanatanterahana voady, na ho fanatim-piombonana amin'i Yaveh, 9 dia aoka hanolotra lafarina tsara toto ampahatelon'ny efaha voaharo amin'ny menaka antsasaky ny hina miaraka amin'ny omby ianareo ho fanatitra hohanina. 10 Aoka hanolotra divay antsasaky ny hina ianareo ho fanatitra sotroina, toy ny fanatitra vita amin'ny afo, mba hamokatra hanitra manim-pofona ho an'i Yaveh. 11 Aoka ho vita ho an'ny omby tsirairay izany fomba izany, ho an'ny ondry lahy tsirairay, ary ho an'ny zanak'ondry lahy tsirairay na koa osy tanor. 12 Ny sorona tsirairay izay omaninareo sy atolotrareo dia aoka ho vita tahaka ny voafaritra eto. 13 Ny tera-tany Israelita rehetra dia aoka hanao ireo zavatra ireo amin'io fomba io, rehefa misy olona mitondra sorona vita amin'ny afo, mba hamokatra hanitra izay ankasitrahan'i Yaveh. 14 Raha misy vahiny mitoetra miaraka aminareo, na koa izay rehetra mety honina eo aminareo mandritra ny taranaky ny vahoakanareo, dia aoka hanao fanatitra vita amin'ny afo izy, mba hamokatra hanitra manim-pofona ho an'i Yaveh. Aoka hanao toy ny fanaonareo izy. 15 Aoka ho lalàna mitovy ho an'ny fiaraha-monina sy ho an'ny vahiny izay mitoetra miaraka aminareo izany, lalàna maharitra mandritra ny taranaky ny vahoakanareo. Tahaka anareo, no aoka hitoeran'ireo mpandeha ihany koa eo aminareo. Aoka hanao toy ny fanaonareo eo anatrehan'i Yaveh izy. 16 Aoka ho didy aman-dalàna mitovy no ampiharina aminareo sy amin'ny vahiny izay mitoetra miaraka aminareo.'" 17 Mbola niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy: 18 "Miresaha amin'ny vahoakan'i Israely ary teneno izy ireo hoe: 'Raha tonga eo amin'ny tany izay hakako anareo ianareo, 19 raha mihinana ny sakafo vokatra eo amin'ny tany ianareo, dia aoka hanolotra fanatitra sy haneho izany Amiko ianareo. 20 Avy amin'ny voalohan-kobanareo no tsy maintsy anateranareo mofo mba hampiakarina izany ho fanatitra asandratra avy amin'ny fikororohana. Aoka hanandratra izany ambony amin'izany fomba izany ianareo. 21 Aoka hanome fanatitra asandratra ho Ahy ianareo mandritra ny taranaky ny vahoakanareo avy amin'ny voalohan-kobanareo. 22 Hanota tsy nahy ianareo indraindray, raha tsy mankatò ireo didy rehetra izay efa noresahako tamin'i Mosesy ireo ianareo— 23 ny zavatra rehetra izay efa nandidiako anareo tamin'ny alalan'i Mosesy hatramin'ny andro izay nanombohako nanomezana didy ary mitohy mandritra ireo taranaky ny vahoakanareo. 24 Amin'ny trangan'ny fahotana tsy nahy amin'ny tsy fahalalan'ny fiaraha-monina, dia aoka hanolotra vatotr'ombilahy iray ny fiaraha-monina manontolo ho fanatitra dorana mba hamokatra hanitra manim-pofona ho an'i Yaveh. Miaraka amin'izany dia ho vita ny fanatitra hohanina sy fanatitra sotroina, tahaka nandidiana tamin'ireo didy, ary osy lahy iray ho fanatitra noho ny ota. 25 Aoka hanao fanavotana ho an'ny fiaraha-monin'ny vahoaka Israely rehetra ny mpisorona. Ho voavela heloka izy ireo satria fahadisoana ny fahotana. Efa nitondra ny sorony izy ireo, ilay fanatitra vita tamin'ny afo ho Ahy. Efa nitondra ny fanatitra noho ny otany teo anoloako izy ireo ho an'ny fahadisoan'izy ireo. 26 Dia ho voavela heloka avokoa ny fiarahamonin'ny vahoakan'Israely, sy ireo vahiny mitoetra miaraka amin'izy ireo ihany koa, satria nahavita heloka tsy nahy avokoa ny vahoaka rehetra. 27 Raha manota tsy nahy ny olona iray, dia aoka hanolotra osy vavy herintaona ho fanatitra noho ny ota izy. 28 Aoka hanao fanavotana eo anatrehan'i Yaveh ny mpisorona ho an'ny olona izay nanota tsy nahy. Ho voavela heloka izany olona izany rehefa vita ny fanavotana. 29 Aoka hanana lalàna mitovy ianareo ho an'izay manao zavatra tsy nahy, lalàna mitovy ho an'izay tera-tany eo amin'ny vahoakan'Israely sy ho an'ny vahiny izay mitoetra eo amin'izy ireo. 30 Fa ny olona izay manao zavatra amin'ny fihantsiana, na tera-tany izy na vahiny, dia miteny ratsy Ahy. Aoka ho fongorana eo amin'ny vahoakany izany olona izany. 31 Satria efa nanao tsinontsinona ny teniko izy ary nandika ny didiko, dia aoka ho fongorana tanteraka izany olona izany. Ho aminy anie ny fahotany.'" 32 Raha mbola tany an-tany efitra ny vahoakan'Israely, dia nahita lehilahy nanangona hazo tamin'ny andro sabata izy ireo. 33 Ireo izay nahita azy dia nitondra azy tany amin'i Mosesy, Arona, ary ny fiaraha-monina rehetra. 34 Notanan'izy ireo am-ponja izy satria mbola tsy voalaza izay tokony natao taminy. 35 Dia nilaza tamin'i Mosesy i Yaveh hoe: "Aoka ho vonoina tokoa ilay lehilahy. Aoka ny fiaraha-monina rehetra hitora-bato azy any ivelan'ny toby." 36 Koa nitondra azy ivelan'ny toby ny fiaraha-monina rehetra ary nitora-bato azy ho faty araka izay efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 37 Mbola niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy: 38 "Miresaha amin'ny taranak'Israely ary mandidia azy ireo mba hanao somitr'aviavy ho an'ny tenan'izy ireo hiraviravy avy eo amin'ny moron'akanjon'izy ireo, mba hampiraviravy azy ireo isaky ny morony amin'ny tady mangamanga. Aoka hanao izany izy ireo mandritra ny taranaky ny vahoakany. 39 Ho fampahatsiahivana manokana ho anareo ireo didiko rehetra izany, mba hanatanteraka azy ireo ka tsy hijerenareo manokana ny fonareo sy ny masonareo ka hivarotanareo tena amin'izy ireo. 40 Ataovy izany mba hahatsiarovanareo sy hankatoavanareo ny didiko rehetra, ary mba ho masina ianareo, natokana ho Ahy, Andriamanitrareo. 41 Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo nivoaka ny tany Egypta, mba ho lasa Andriamanitrareo. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo."
Ny Nomery 15:1-32 dia milaza izay nolazain'Andriamanitra an'i Mosesy mba holazaina amin'ny vahoakan'Israely.
"mba hamokatra fofona izay ankasitrahan'i Yaveh avy amin'ny ondry aman'osy na ny biby fiompy." Ny fankasitrahan'ny Tompo ny hanitra dia manambara ny fankasitrahany ny olona izay mandoro ny fanatitra. DH: "mba hampifaly an'i Yaveh amin'ny fandorana sorona avy amin'ny omby na ondry"
Io dia manondro ireo fanatitra noresahina tao amin'ny 15:4.
Ny efaha dia mari-pandrefesana mira eo ho eo amin'ny 22 litatra. DH: "eo ho eo amin'ny 2 litatra" na "roa litatra"
Ny hina dia mari-pandrefesana mira eo ho eo amin'ny 3.7 litatra. DH: "eo ho eo amin'ny 1 litatra" na "iray litatra"
Ny efaha dia mari-pandrefesana mira eo ho eo amin'ny 22 litatra. DH: "eo ho eo amin'ny 2 litatra" na "roa litatra"
Ny hina dia mari-pandrefesana mira eo ho eo amin'ny 3.7 litatra. DH: "eo ho eo amin'ny 1 litatra" na "iray litatra"
"Hamokatra fofona izay ankasitrahan'i Yaveh izany." Ny fankasitrahan'ny Tompo ny hanitra dia manambara ny fankasitrahany ny olona izay mandoro ny fanatitra. DH: "mba hampifaly an'i Yaveh amin'ny fandorana sorona avy amin'ny omby na ondry"
Afaka mandika izany amin'ny fandrefesana amin'izao fotoana izao ianao. DH: "enina litatra sy tapany"
Afaka mandika izany amin'ny fandrefesana amin'izao fotoana izao ianao. DH: "roa litatra"
DH: "izay nodoranareo teo amin'ny alitara"
"mba hamokatra fofona izay ankasitrahan'i Yaveh." Ny fankasitrahan'ny Tompo ny mpanompo mahafatra-po izay manolotra sorona dia resahina toy ny hoe mankasitraka ny hanitra manim-pofo avy amin'ny sorona Andriamanitra. DH: "mba hampifaly an'i Yaveh amin'ny fanolorana izany"
DH: "Tsy maintsy manao izany ianao"
DH: "Tsy maintsy manao araka ny efa nofaritako ianao"
DH: "izay nodoran'izy ireo teo amin'ny alitara"
"mba hamokatra fofona izay ankasitrahan'i Yaveh." Ny fankasitrahan'ny Tompo ny mpanompo mahafatra-po izay manolotra sorona dia resahina toy ny hoe mankasitraka ny hanitra manim-pofo avy amin'ny sorona Andriamanitra. DH: "mba hampifaly an'i Yaveh amin'ny fanolorana izany"
DH: "tsy maintsy mandoro fanatitra eo amin'ny alitara izy"
"mba hamokatra fofona izay ankasitrahan'i Yaveh." Ny fankasitrahan'ny Tompo ny mpanompo mahafatra-po izay manolotra sorona dia resahina toy ny hoe mankasitraka ny hanitra manim-pofo avy amin'ny sorona Andriamanitra. DH: "mba hampifaly an'i Yaveh amin'ny fanolorana izany"
Ireo mety ho heviny dia 1) "Ianao sy ny mpandeha mitoetra miaraka aminao dia tahaka izany eo anatrehan'i Yaveh" na 2) "Lalàna mitovy no ampiharina aminareo roa dia ianao sy ny mpandeha"
"Tsy maintsy manao tahaka ny nataonareo teo anatrehan'i Yaveh izy. Satria milaza izany fa tsy maintsy manao tahaka ireo Israelita eo anatrehan'i Yaveh izy ireo, dia midika izany fa tsy maintsy mankatoa ny didin'i Yaveh rehetra izy ireo. DH: "tsy maintsy manao tahaka ny nataonareo sy nankatoavanareo ny didin'i Yaveh rehetra izy"
DH: "ny sakafo izay novokarin'ny tany" na "ny sakafo izany novokarinao tamin'ny tany"
Ireo mety ho heviny dia hoe manondro izao izany 1) ny vary voalohany izay hangonin'izy ireo mandritra ny fotoam-pijinjana na 2) ny koba izay natao tamin'ny voan'izy ireo voalohany.
Ny fiantsoana izany hoe mofo dia midika fa hahandro ny koba aloha izy ireo.
Io sarinteny hoe "mampiakatra" io dia manondro ny fanolorana izany ho fanomezana. DH: "mba hanolotra izany ho fanomezana"
Ny fanatitra dia resahina toy ny hoe avy amin'ny fikororohana satria eo no hanasarahana ny vary amin'ny ampahan'ny zava-maniry hafa.
Manohy milaza amin'i Mosesy izay tsy maintsy ho lazainy amin'ny vahoaka Andriamanitra.
Ny teny hoe "ianareo" dia manondro ny vahoaka Israelita.
"mba hamokatra fofona izay ankasitrahan'i Yaveh." Ny fankasitrahan'ny Tompo ny mpanompo mahafatra-po izay manolotra sorona dia resahina toy ny hoe mankasitraka ny hanitra manim-pofo avy amin'ny sorona Andriamanitra. DH: "mba hampifaly an'i Yaveh amin'ny fanolorana izany"
DH: "tsy maintsy manao fanatitra hohanina sy fanatitra sotroina ianareo"
DH: "araka ny andidian'ny didy" na "araka ny nandidiako anareo fony nanao didy Aho"
DH: "Hamela heloka azy ireo Aho"
DH: "izay nataon'izy ireo tamin'ny afo" na "izay nodoran'izy ireo teo amin'ny alitara"
DH: "Hamela heloka ny fiarahamonin'ny vahoakan'Israely rehetra Aho"
"osy vavy 1 taona"
DH: "Hamela heloka izany olona izany Aho rehefa vitan'ny mpisorona ny fanavotana"
Ny sarinteny hoe "fongorana" dia misy heviny telo fara-fahakeliny. 1) "tsy maintsy mandefa azy ny olony" na 2) "tsy heveriko ho iray amin'ny vahoakan'Israely intsony izy" na 3) "tsy maintsy hamono azy ny vahoakany."
Ny tsy fankatoavana ny didy dia resahina toy ny hoe mandika izany. DH: "tsy nankatoa ny didiko" na "tsy nankatoa izay nandidiako"
Eto ny fahotana dia manambara na 1) ny fanasaziana noho izany fahotana izany na 2) ny heloka noho izany fahotana izany. Ny hoe ho aminy ny fahotany dia sarinteny hilazana na 1) voasazy na 2) meloka. DH: 1) "Hanasazy azy noho ny fahotany Aho" na 2) "Heveriko ho meloka izy"
DH: "Tsy nilaza izay tokony ataon'izy ireo aminy i Yaveh"
DH: "Tsy maintsy hovonoinareo tokoa ilay lehilahy" na "Tsy maintsy maty tokoa ilay lehilahy"
Ny Israely dia anaran'i Jakoba hafa. Ny vahoakan'Israely no taranany. DH: "ny vahoakan'Israely"
"mba hankatoa ireo"
Ny hoe "mijery" eto dia sarinteny hilazana ny hoe mieritreritra. Ny fo dia manambara izay tian'ny olona, ary ny maso dia manambara izay hitan'ny olona sy tiany. DH: "mba tsy hieritreretana momba ny zavatra rehetra tianareo"
Ny hoe mahatoky amin'Andriamanitra amin'ny fisafidianana ny hanao izay rehetra tian'izy ireo dia resahina toy ny hoe vehivavy izay tsy mahatoky amin'ny vadiny amin'ny fisafidianana ny hanana fifandraisana feno fahotana amin'ny lehilahy hafa. Afaka ambara mazava fa zavatra mahamenatra raha atao izany. DH: "ho tsy mahatoky am-pahamenarana Amiko" na "manao ireo zavatra ireo raha tokony hoe mankatoa Azy"
Manohy milaza amin'i Mosesy izay holazainy amin'ny vahoakan'Israely Andriamanitra. Ny hoe "-nareo" dia manondro ny vahoaka.
Io dia fomba fiteny. DH: "tadidio"
Io fehezanteny io dia naverimberina mba hanasongadinana.
1 Ary Kora no zanaka lahin'i Jizara zanaka lahin'i Kehata zanaka lahin'i Levy, miaraka amin'i Datana sy Abirama zanaka lahin'i Eliaba, sy Ona zanak'í Peleta, taranak'i Robena, dia nampivory lehilahy sasan-tsasany. 2 Nitsangana hanohitra an'i Mosesy izy ireo, ka niaraka tamin'ireo lehilahy hafa avy tamin'ny vahoakan'Israely, mpitarika fiangonana dimampolo sy roanjato izay mpikambana fanta-daza teo amin'ny fiangonana. 3 Niara-niangona izy ireo mba hifanandrina amin'i Mosesy sy Arona. Hoy izy ireo taminy: "Lasa lavitra loatra ianareo! Fa voatokana ny fiangonana rehetra, ny tsirairay amin'izy ireo, ary Yaveh dia eo amin'izy ireo. Nahoana no manandratra ny tenanareo eo amin'ny ambin'ny fiangonan'i Yaveh ianareo?" 4 Rehefa ren'i Mosesy izany, dia nampiankohoka ny tavany izy. 5 Niteny tamin'i Kora sy ireo rehetra izay niaraka taminy izy hoe: "Amin'ny maraina dia hampahafantarin'i Yaveh ireo izay Azy sy ireo izay voatokana ho Azy. Hoentiny ho eo akaikiny izany olona izany. Ny iray izay voafidiny dia hoentiny hanakaiky ny tenany. 6 Ataovy izao, ry Kora sy ny tariny rehetra. Alaivo ny fitondran'afo 7 rahampitso ary asio sy afo sy ditin-kazo manitra anatin'izany eo anoloan'i Yaveh. Ny iray izay fidian'i Yaveh, dia ho voatokana ho an'i Yaveh izany olona izany. Lasa lavitra loatra ianao, ry taranak'i Levy." 8 Dia hoy indray Mosesy tamin'i Kora hoe: "Ankehitriny mihainoa, ianareo ry taranak'i Levy: 9 moa zavatra kely aminareo ve ny nampisarahan'Andriamanitra anareo tamin'ny fiangonan'Israely, mba hitondra anareo akaikin'ny tenany, mba hanao ny asany ao amin'ny tabernakelin'i Yaveh, ary hijoro eo anoloan'ny fiangonana mba hanompo azy ireo? 10 Nitondra anao akaiky Izy, sy ireo rahalahinao rehetra, taranak'i Levy, miaraka aminao, nefa mbola mitady ny fisoronana ihany koa ianareo! 11 Noho izany no nivondronanareo sy ny tarinao hanohitra an'i Yaveh. Ka nahoana ianareo no mitaraina mahakasika an'i Arona, izay mankatoa an'i Yaveh?" 12 Ary Mosesy niantso an'i Datana sy Abirama, zanaka lahin'i Eliaba, fa niteny izy ireo hoe: "Tsy hiakatra izahay. 13 Zavatra kely aminao angaha ny nitondranao anay niakatra nivoaka ny tany tondra-dronono sy tantely, mba hamono anay any an'efitra? Ankehitriny dia maniry ny tenanao hanapaka eo aminay ianao! 14 Ho fanampin'izany, tsy nitondra anay tany amin'ny tany tondra-dronono sy tantely Ianao, na nanome anay ireo saha sy tanim-boaloboka ho lova. Ankehitriny dia maniry hahajamba anay amin'ireo fampanantenana foana ve Ianao? Tsy ho any aminao izahay." 15 Tezitra mafy i Mosesy ary niteny tamin'i Yaveh hoe: "Aza manaiky ny fanatiny. Tsy naka na apondra iray tamin'izy ireo aho, ary tsy nanisy ratsy na ny iray tamin'izy ireo aza." 16 Ary niteny tamin'i Kora i Mosesy hoe: "Rahampitso dia tsy maintsy handeha eo anatrehan'i Yaveh ianao sy ny tarikao—ianao sy izy ireo, ary Arona. 17 Samia maka ny fitondran'afony ianareo tsirairay ary manisy ny ditin-kazo manitra ao amin'izany. Avy eo dia aoka hitondra ny fitondran'afony eo anoloan'i Yaveh avy ny tsirairay, fitondran'afo dimam-polo sy roan-jato. Ianao sy Arona, ihany koa, dia aoka hitondra ny fitondran'afonareo tsirairay." 18 Ka dia naka ny fitondran'afony ny olona tsirairay, nandrehitra afo tamin'izany, ary nitsangana teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana niaraka tamin'i Mosesy sy Arona. 19 Nampivory ireo fivondronana rehetra manohitra an'i Mosesy sy Arona teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana i Kora, ary niseho tamin'ny fivondronana rehetra ny voninahitr'i Yaveh. 20 Dia niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh hoe: 21 "Saraho amin'ity fiangonana ity ny tenanareo mba hahafahako mandevona azy ireo avy hatrany." 22 Niankohoka i Mosesy sy Arona ary niteny hoe: "Andriamanitra, Andriamanitry ny fanahin'ny olombelona rehetra, raha manota ny olona iray, dia ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra ve ianao? 23 Namaly an'i Mosesy i Yaveh. 24 Hoy Izy hoe: "'Mitenena amin'ny fivondronana. Mitenena hoe: "Mialà amin'ny lain'i Kora, Datana, ary Abirama." 25 Dia niainga i Mosesy ary nankany Datana sy Abirama; ireo loholon'Israely dia nanaraka azy. 26 Niresaka tamin'ny fivondronana izy ka niteny hoe: "Ankehitriny dia mialà amin'ireo lain'ny ratsy fanahy ary aza mikitika na inona na inona ny azy ireo, fandrao ho levona amin'ny alalan'ireo fahotany rehetra ianao." 27 Koa nandao azy ireo tamin'ny zoron'ireo lain'i Kora, Datana, ary Abirama ny fivondronana. Nivoaka i Datana sy Abirama ary nitsangana teo amin'ny fidiran'ny lain'izy ireo, niaraka tamin'ireo vadiny, zanaka lahy, ary ireo madininy. 28 Ary niteny i Mosesy hoe: "Amin'izao no ahafantaranareo fa Yaveh no naniraka ahy hanao ireo asa rehetra, fa tsy nanao ireny tamin'ny saiko ihany aho. 29 Raha maty amin'ny fahafatesana voajanahary tahaka ny zava-misy ara-dalàna ireny olona ireny, dia tsy nandefa ahy i Yaveh. 30 Fa raha mamorona fisokafana amin'ny tany izay mitelina azy ireo ao tahaka ny vava lehibe i Yaveh, miaraka amin'ireo fianakaviany rehetra, ary raha midina velona any amin'ny fiainan-tsy hita izy ireo, dia aoka ho fantatrao fa ireny olona ireny dia nanao tsinontsinona an'i Yaveh." 31 Raha mbola tsy tapitra ny fitenenan'i Mosesy ireo teny rehetra ireo, dia nisokatra teo ambanin'ireo lehilahy ireo ny tany. 32 Nanokatra ny vavany ny tany ary nitelina azy ireo, ireo fianakaviany, ary ireo olona rehetra izay an'i Kora, ary koa ireo fananany rehetra. 33 Dia latsaka velona tany amin'ny fiainan-tsy hita izy ireo sy ireo rehetra tao amin'ireo fianakaviany. Nikatona teo ambonin'izy ireo ny tany, ary tamin'izany no nahafongotra azy ireo teo afovoan'ny fivondronana. 34 Ireo Israely rehetra manodidina azy ireo dia nandositra tamin'ireo hiakiakany. Nihiaka izy ireo hoe: "Mety hitelina antsika ihany koa ny tany!" 35 Dia nitselatra ny afo avy tamin'i Yaveh ary nandrapaka ireo 250 olona izay nanolotra ditin-kazo manitra. 36 Dia niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh ary niteny hoe: 37 "Miresaha amin'i Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona ary aoka izy hamono ny afo amin'ny fandorana ny ditin-kazo manitra, fa ny fitondran'afo dia voatokana ho ahy. Dia avelao izy hampiely ny vain'afo any alavitra. 38 Alaivo ireo fitondran'afon'ireo izay namoy ny ainy nohon'ny fahotany. Aoka ireny ho atao lovia voatefy mba ho fandrakofana ny alitara. Nanolotra ireny teo anoloako ireny olona ireny, ka voatokana ho Ahy ireny. Ho famantarana ny fisiako amin'ireo vahoakan'Israely ireo. 39 Naka ireo fitondran'afo varahina i Eleazara mpisorona izay nampiasain'ireo olona izay may, ary dia notefena ho fandrakofana ho an'ny alitara ireo, 40 mba ho fampahatsiahivana ho an'ireo vahoakan'Israely, mba tsy hisy vahiny izay tsy taranaka avy amin'i Arona ho avy handoro ditin-kazo manitra manoloana an'i Yaveh, ka tsy ho tonga tahaka an'i Kora sy ny tariny izy ireo—araka izay efa nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy. 41 Fa ny ampitso maraina dia nitaraina tamin'i Mosesy sy Arona ny fivondronan'ny vahoakan'Israely rehetra. Hoy izy ireo hoe: "Novonoinareo ny vahoakan'i Yaveh." 42 Ary niseho izany, rehefa nivory hanohitra an'i Mosesy sy Arona ny fivondronana rehetra, raha nijery tao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo, ary, indro, nandrakotra izany ny rahona. Niseho ny voninahitr'i Yaveh, 43 ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana. 44 Dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy: 45 "Mialà lavitra tsy ho eo anoloana an'io fivondronana io mba hahafahako mandevona azy avy hatrany." Dia nampiondrika ny tavany tamin'ny tany i Mosesy sy Arona. 46 Hoy i Mosesy tamin'i Arona: "Alaivo ny fitondran'afo, asio afo avy eo amin'ny alitara, asio ditin-kazo manitra ao anatin'izany, ento faingana any amin'ny fivondronana izany, ary manaova fanavotana ho azy ireo, satria tonga avy amin'i Yaveh ny fahatezerana. Niatomboka ny areti-mandringana." 47 Dia nanao araka izay natoron'i Mosesy i Arona. Nihazakazaka ho eo afovoan'ny fivondronana izy. Efa nanomboka niparitaka faingana teo amin'ny olona ny areti-mandringana, koa nampidiriny ny ditin-kazo manitra ka nanao fanavotana ho an'ny olona izy. 48 Nitsangana teo anelanelan'ny velona sy ny maty i Arona; ka tamin'izany dia nitsahatra ny areti-mandringana. 49 Ireo izay matin'ny areti-mandringana dia 14 700, ankoatra ireo izay maty nohon'ny amin'i Kora. 50 Niverina tany amin'i Mosesy teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana i Arona, dia nitsahatra ny areti-mandringana.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:17 io anaran-dehilahy io.
Ny fikomiana na ny fanakianana olona ao amin'ny fahefana dia resahina toy ny hoe mitsangana mba hiady izy ireo. DH: "nikomy tamin'i Mosesy"
"250"
mpikambana malaza teo amin'ny fiangonana" na "olona manan-danja teo amin'ny fiangonana"
Io dia manambara ny fanaovana mihoatra noho izay tokony ataon'ny olona. DH: "Efa nanao mihoatra noho izay tokony ataonareo ianareo" na "Mihevitra ny hanana fahefana mihoatra noho ny tokony ho anareo ianareo"
Mametraka io fanontaniana io ireo lehilahy mba hibedesana an'i Mosesy sy Arona. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Diso ianareo nanandratra ny tenanareo ho ambonin'ny ambin'ny fiangonan'i Yaveh"
Ny fiheverana olona ho manan-danja dia resahina toy ny hoe fanandratana azy ambony. DH: "mihevitra ny tenanareo ho manan-danja kokoa noho ny sisa"
Io dia milaza fa nanetri-tena teo anatrehan'Andriamanitra i Mosesy. Natahotra izy fa sao hanasazy ny vahoaka tamin'ny fikomiana tamin'Andriamanitra sy ireo mpitarika voafidiny Andriamanitra.
DH: "izay natokan'i Yaveh ho azy"
Manohy miresaka amin'i Kora sy ireo lehilahy izay niaraka tamin'i Kora i Mosesy.
fitoerana izay handorana ny ditin-kazo manitra
Io dia fomba fiteny. DH: "teo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
DH: "Hatokan'i Yaveh ho Azy izany olona izany"
Io dia manambara ny fanaovana mihoatra noho izay tokony ataon'ny olona. DH: "Efa nanao mihoatra noho izay tokony ataonareo ianareo" na "Mihevitra ny hanana fahefana mihoatra noho ny tokony ho anareo ianareo"
Mampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hibedesana an'i Kora sy ireo lehilahy niaraka taminy. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Nitondra tena toy ny hoe zavatra kely aminao izany....mba hanompo azy ireo" na "Tsy tokony hihevitra izany ho zavatra kely ianao...mba hanompo azy ireo."
"tsy ampy ho anareo" na "tsy manan-danja aminareo"
Ny faniriana ny fisoronana dia resahina toy ny hoe mitady izany izy ireo. DH: "te hahazo ny fisoronana ihany koa ianareo" na "te ho mpisorona ihany koa ianareo"
Mampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hanehoana amin'izy ireo fa rehefa mitaraina momba izay ataon'i Arona izy ireo, dia mitaraina ny amin'i Yaveh tokoa, satria manao izay lazain'i Yaveh ho ataony i Arona. DH: "Tsy tena mitaraina momba an'i Arona ianareo, fa momba an'i Yaveh, izay ankatoavin'i Arona."
Mampiasa io fanontaniana io i Datana sy Abirama mba hibedesana an'i Mosesy. Afaka adika ho fanambarana izany. DH: "Nitondra tena toy hoe zavatra kely aminao ny nitondra anay...mba hamono anay any an'efitra."
"tsy ampy" na "tsy manan-danja"
Ny tany tsara ho an'ny biby sy ny zava-maniry dia resahin'izy ireo toy ny hoe tondraka ao amin'ilay tany ny ronono sy ny tantely avy amin'ireo biby sy zava-maniry ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:27. DH: "Tena tsara ho an'ny fiompiana biby fiompy sy fambolena vokatra tokoa izany" na "Tena tany mahavokatra tokoa izany"
Izay homen'Andriamanitra azy ireo ho azy ireo mandrakizay dia resahin'izy ireo toy ny hoe lova.
Mampiasa io fanontaniana io ny olona mba hiampangana an'i Mosesy. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Te hanajamba anay amin'ny fampanantenana foana ianao ankehitriny."
Ny famitahana olona dia resahina toy ny hoe manajamba azy ireo. DH: "mamitaka anay"
Ireo fampanantenana izay tsy notanana dia resahin'izy ireo toy ny hoe fitoeran-javatra poak'aty. DH: "amin'ireo fampanantenana izay tsy notananao" na "tamin'ny fampanatenana ny hanao ireo zavatra izay tsy nataonao"
Ny ampondra iray eto dia manambara zavatra izay mety alain'ny olona amin'olon-kafa. DH: "Tsy naka zavatra tamin'izy ireo aho, na dia ampondra iray aza" (UDB)
fitoeran-javatra izay handorana ditin-kazo manitra
Ny famotehana azy ireo dia resahina toy ny hoe hihinana azy ireo Andriamanitra. DH: "mba ahafahako mamotika azy ireo" na "ary hamotika azy ireo Aho"
Manondro io fa nanetri-tena teo anoloan'Andriamanitra i Mosesy sy Arona.
Eto ny hoe "fanahy" dia manambara ny fahafahana miaina. DH: "ny Andriamanitra izay manome aina ny olombelona rehetra"
Mampiasa io fanontaniana io i Mosesy sy Arona mba hankasitrahan'Andriamanitra ny vahoaka. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "aza tezitra amin'ny fiangonana rehetra noho ny fahotan'ny olona iray re"
Ny famotehana dia resahina toy ny hoe hohanina izy ireo. DH: "ho ringanina ianao"
Ny famotehana noho ny fahotan'izy ireo dia resahina toy ny hoe hamotika azy ireo ny fahotana. DH: "ho ringana ianao noho ny fahotan'izy rehetra"
DH: "handringana anao ny fahotan'izy ireo rehetra" na "handringana anao noho ny fahotan'izy ireo rehetra i Yaveh"
Eto ny hoe "izao" dia manondro izay holazain'i Mosesy manaraka.
Resahin'i Mosesy toy ny hoe velona ny tany ary ny fisokafana eo amin'ny tany izay hilatsahan'ireo olona ireo dia toy ny vava lehibe izay hihinana azy ireo. DH: "ary ho latsaka ao anatin'izany izy ireo ary hilevina any amin'ny farany ambanin'ny tany"
Resahin'i Mosesy toy ny hoe velona ny tany, ary ny lavaka izay hilatsahan'ny olona dia toy ny hoe vavan'ny tany. DH: "Nanokatra ny vavany tahaka ny vava lehibe ny tany, ary nilatsaka tao anatin'izany izy ireo ka nilevina tao" na "Nisy lavaka lehibe teo amin'ny tany, ary nilatsaka tao anatin'izany izy ireo ka nilevina tao anatin'izany"
Ao amin'ny 16:28 ny andianteny mitovy amin'io. Jereo ny andikanao izany ao.
Ny hoe "izy ireo" dia manondro ny "Israely rehetra."
Resahin'ny olona toy ny hoe velona ny tany. DH: "Mety hanokatra ny vavany ny tany ary ho latsaka ao amin'izany ihany koa isika" na "Raha misokatra indray ny tany, dia ho latsaka ao amin'izany ihany koa isika ka hilevina ao"
Ny hoe voaringan'ny afo dia resahina toy ny hoe hohanin'ny afo izy ireo. DH: "nitselatra ny afo avy tamin'i Yaveh ka nandringana ireo olona 250"
Io dia manondro ireo afo izay nandoro ireo lehilahy 250.
Ny famoizana ny ain'izy ireo dia manambara hoe maty. DH: "ireo izay maty''
Eto ny hoe "ireny" dia manondro ireo fitondran'afo. DH: "Aoka i Eleazara hanao ireo"
Eto ny hoe "ireny" dia manondro ireo fitondran'afo.
DH: "izay nampiasain'ireo olona izay main'ny afo"
Ny fomba mety hahatonga azy ireo ho tahaka azy ireo dia afaka ambara mazava. DH: "maty tahaka ny nahafatesan'i Kora sy ny tariny"
Io andianteny io eto dia nampiasaina mba hanamarika tranga manan-danja ao amin'ny tantara. Raha misy fomba hanaovana izany ny fiteninao, dia aoka ampiasa izany eto ianao.
"efa nivory mba hitaraina ny amin'i Mosesy sy Arona"
"tampoka". Eto ny hoe "indro" dia maneho fa gaga tamin'izay hitan'izy ireo ny vahoaka.
Resahin'Andriamanitra toy ny hoe hihinana azy ireo ny fandringanana azy ireo. DH: "mba ahafahako mandringana azy ireo" na "ary handringana azy ireo Aho"
Io dia manambara fa nanetry tena teo anatrehan'Andriamanitra i Mosesy sy Arona.
Ny fahatongavan'ny hatezerana avy amin'Andriamanitra dia manambara ny fanehoan'Andriamanitra ny hatezerany. DH: "Maneho ny hatezerany i Yaveh" na "tezitra mafy i Yaveh ary nanao zavatra araka ny hatezerany"
Ny fanasiana ditin-kazo manitra ao amin'ny fitoeran'afo eto dia manambara ny fandorana izany. DH: "nandoro ditin-kazo manitra izy"
DH: "tsy niparitaka intsony ny areti-mandringana"
1 Niresaka tamin'i Mosesy Yaveh. 2 Hoy Izy hoe: "Miresaha amin'ny vahoakan'Isarely ary makà tehina avy amin'izy ireo, iray isaky ny tsirairay amin'ireo fokon-drazana, dia tehina roa ambin'ny folo. Soraty eo amin'ny tehiny avy ny anaran'ny olona tsirairay. 3 Aoka ho soratanao eo amin'ny tehin'i Levy ny anaran'i Arona. Tsy maintsy misy tehina iray avy amin'ny fokon-drazany ho an'ny mpitarika tsirairay. 4 Tsy maintsy apetrakao ao amin'ny trano-lay fihaonana eo anoloan'ny lalàn'ny fanekena, izay hihaonako aminao ireo thehina. 5 Ary ny tehin'ny olona izay fidiako dia hitsimoka. Hatsahatro ny fitarainana avy amin'ireo olona, izay ambarany hanoherana anao." 6 Koa dia niteny tamin'ireo vahoakan'Israely i Mosesy. Nanome tehina azy avokoa ireo mpitarika ara-poko, tehina iray avy ho an'ireo mpitarika tsirairay, izay notendrena avy amin'ny fokon-drazana isan'isany, tehina roa ambin'ny folo no fitambarany. Tao anatin'izany ny tehin'i Arona. 7 Avy eo dia napetrak'i Mosesy teo anatrehan'i Yaveh tao amin'ny lain'ny lalàn'ny fanekena ireo tehina. 8 Ny ampitso dia niditra tao amin'ny lain'ny lalàn'ny fanekena i Mosesy, ary indro, naniry ny tehin'i Arona ho an'ny fokon'i Levy. Naniry kibory izany ary namoa felany sy amygdala! 9 Nentin'i Mosesy nivoaka tsy ho eo anatrehan'i Yaveh ho eo amin'ny vahoakan'Israely manontolo ireo tehina rehetra, ary samy naka ny tehiny avy ny olona tsirairay. 10 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Apetraho eo anoloan'ny lalàn'ny fanekena ny tehin'i Arona. Tehirizo ho famantaran-keloka hanohitra ireo olona izay nikomy izany mba hanatsaharanao ny fitarainana manohitra Ahy, raha tsy izany dia ho faty izy ireo." 11 Nanao araka izay nandidian'i Yaveh azy i Mosesy. 12 Niteny tamin' i Mosesy ny vahoakan'Israely ka niteny hoe: "Ho faty aty isika. Ho ringana avokoa isika rehetra! 13 Izay rehetra miakatra, izay manatona ny tabernakelin'i Yaveh, dia ho faty. Dia tsy maintsy ho faty ve isika rehetra?"
"12"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Ny anarana hoe Levy eto dia manondro ny fokon'i Levy.
Eto ny hoe "-ny" dia manondro ny "mpitarika tsirairay."
Ny andianteny hoe "lalàn'ny fanekena" dia manondro ny vata izay nihazona ny takelaka izay nanoratana ny lalàn'ny fanekena. DH: "ny fiaran'ny fanekena" na "ny vata izay mihazona ireo lalàn'ny fanekena"
"hanomboka haniry eo amin'ny tehin'ny lehilahy izay hofidiako ny vony"
Eto ny hoe "fitarainana" dia anarana izay afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "mampitsahatra ny vahoakan'Israely tsy hitaraina ny aminao"
DH: "izay notendren'i Mosesy avy amin'ny fokon-drazambe tsirairay avy"
Ny andianteny hoe "lalàn'ny fanekena" dia manondro ny vata izay mihazona ireo takelaka izay nanoratana ireo lalàn'ny fanekena. DH: "ny lay misy ny vatan'ny fanekena" na "ny lay izay nisy ireo lalàn'ny fanekena"
Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa misy zavatra manan-danja manokana mitranga. Mety misy teny mitovitovy amin'izany ny fiteninao.
Ny andianteny hoe "lalàn'ny fanekena" dia manondro ny vata izay mihazona ireo takelaka izay nanoratana ireo lalàn'ny fanekena. DH: "ny fiaran'ny fanekena" na "ny vata izay mihazona ireo lalàn'ny fanekena"
Ny teny hoe "fitarainana" dia anarana izay afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "mba ahafahanao manatsahatra azy ireo tsy hitaraina ny Amiko intsony"
Izany no mety hitranga raha manohy mitaraina ihany ny vahoaka. Te ampitandrina izany Andriamanitra. DH: "mba tsy ho faty izy ireo"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary nampiarahina mba hanindriana.
1 Hoy Yaveh tamin'i Arona: "Ianao, ireo zanakao, ary ireo fokon-drazanao dia ho tompon'andraikitra amin'ireo fahotana rehetra vita tamin'ny fitoerana masina. Fa ianao sy ireo zanakao irery ihany no ho tompon'andraikitra amin'ireo fahotana rehetra nataon'ny olona tao amin'ny fisoronana. 2 Tahaka ny amin'ireo mpiara-mikambana aminao amin'ny fokon'ny Levy, ireo fokon-drazanao, dia aoka ho entinao miaraka aminao izy ireo mba hahazoan'izy ireo manantona anao sy manampy anao rehefa manompo eo anoloan'ny lain'ny lalàn'ny fanekena ianao sy ireo zanakao. 3 Aoka hanompo anao sy ny lay manontolo izy ireo. Kanefa, aoka izy ireo tsy hanakaiky ireo zavatra ao amin'ny fitoerana masina na mifandray amin'ny alitara, fa ho faty izy ireo sy ianao koa. 4 Aoka hamonjy anao izy ireo ary hikarakara ny trano-lay fihaonana, ho an'ny asa rehetra mifandray amin'ny lay. Aoka tsy hanatona eo akaikinao ireo vahiny. 5 Aoka ianao handray andraikitra ho an'ny fitoerana masina ary ho an'ny alitara mba tsy hiavian'ny fahatezerako eo amin'ireo zanak'Israely indray. 6 Indro, Izaho mihitsy no efa nisafidy ireo Levita mpiara-mikambana aminao avy amin'ireo taranak'Israely. Fanomezana ho anao izy ireo, efa nomena Ahy mba hanao ny asa mifandraika amin'ny trano-lay fihaonana. 7 Saingy ianao sy ireo zanakao no mety hanao ny fisoronana momba ny zavatra rehetra mifandray amin'ny alitara sy ny zavatra rehetra anatin'ny lamba. Ianareo ihany no aoka hameno ireo andraikitra ireo. Homeko anao ho fanomezana ny fisoronana. Izay vahiny manatokatona dia aoka ho vonoina." 8 Dia hoy Yaveh tamin'ny Arona: "Indro, efa nomeko anao ny adidy fikirakirana ireo fanatitra asandratra Amiko, sy ireo fanatitra masina izay omen'ny zanak'Israely Ahy. Efa nomeko anao sy ireo zanakao ho anjaranao ireo fanatitra ireo. 9 Ireto no tena zavatra masina, voaaro amin'ny afo: avy amin'ireo fanatitr'izy ireo rehetra—ny fanatitra hohanina rehetra, ny fanatitra nohon'ny ota rehetra, ary ny fanatitra nohon'ny heloka rehetra—tena masina ho anao sy ho an'ireo zanakao ireo. 10 Tena masina tokoa ireo fanatitra ireo; aoka hihinana izany ny lehilahy rehetra, fa masina ho anao ireo. 11 Ireto avy ny fanatitra izay ho anao: ireo fanomezan'izy ireo, ireo fanatitra ahevahevan'ny zanak'Israely rehetra. Efa nomeko anao izy ireo, ireo zanakao lahy, sy ireo zanakao vavy, ho anjaranao. Ny rehetra izay madio amin'ny fombafomba ao amin'ny ankohonanao dia mahazo mihinana amin'ireo fanatitra ireo. 12 Ny tsara indrindra amin'ny menaka, ny tsara indrindra amin'ny divay vaovao sy ny vary, ny voaloam-bokatra izay omen'ny olona ahy—ireo zavatra rehetra dia efa nomeko anao. 13 Ireo vokatr'izany rehetra izany matoy voalohany izay eo amin'ny tanin'izy ireo, dia izay entin'izy ireo aty Amiko, dia ho lasanao. Izay rehetra madio ao amin'ny ankohonanao dia mahazo mihinana ireny zavatra ireny. 14 Ny zavatra rehetra voatokana ao Israely dia ho lasanao avokoa. 15 Ny zavatra rehetra izay manokatra ny vohoka, ny voalohan-teraka rehetra izay atolotry ny olona an'i Yaveh, ny olona sy ny biby mitambatra, dia ho lasanao avokoa. Na dia izany aza, aoka ny olona hividy ny zanaka lahy voalohan-teraka rehetra indray, ary aoka izy ireo hividy indray ny lahy voalohan-terak'ireo biby maloto. 16 Ireo izay voavidin'ny olona indray dia aoka hamerina hividy aorian'ny faha iray volana. Avy eo dia afaka mividy azy ireo indray ny olona, amin'ny vidiny sekely dimy, araka ny karazan-danjan'ny sekely fitoerana masina, izay mitovy amin'ny zeraha roapolo. 17 Fa ny voalohan-teraky ny omby vavy, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy —aoka tsy haverinareo ho vidiana ireo biby ireo; fa voatokana ho Ahy ireny. Aoka hamafy ny ràn'ireny eo amin'ny alitara ianao ary handoro ny jaboran'izy ireo ho fanatitra natao tamin'ny afo, hanitra ankasitrahan'i Yaveh. 18 Ny henan'izy ireo dia ho anao. Tahaka ny tratra sy ny fe ankavanana nasandratra, dia ho anao ny henan'izy ireo. 19 Ny fanatitra masina rehetra izay atolotry ny olona amin'i Yaveh, dia efa nomeko anao, sy ireo zanakao lahy ary ireo zanakao vavy miaraka aminao, ho zara mithohitohy. Fanekena maharitra mandrakizay amin'ny sira izany, fanekena mamatotra mandrakizay, eo anatrehan'i Yaveh ho anao sy ireo taranakao miaraka aminao." 20 Hoy Yaveh tamin'i Arona: "Tsy hanana lova ao amin'ny tanin'ny vahoaka ianao, na hanan-jara amin'ny fananana eo amin'ny vahoaka. Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin'ny vahoakan'Israely. 21 Ho an'ny taranak'i Levy, indro, efa nanome ireo ampahafolon-karena rehetra ao Israely ho lovan'izy ireo ho valin'ny ny asa izay omen'izy ireo amin'ny fiasana ao amin'ny trano-lay fihaonana Aho. 22 Manomboka izao dia aoka ny vahoakan'Israely tsy ho avy anakaiky ny trano-lay fihaonana, fa ho tompon'andraikitra amin'izany fahotana izany izy ireo ary ho faty. 23 Aoka ireo Levita hanao ny asa mifandraika amin'ny trano-lay fihaonana. Ho tompon'andraikitra amin'ny fahotana manodidina izany izy ireo. Ho lalàna maharitra manerana ireo taranaky ny vahoakanao izany. Aoka tsy hanan-dova eo amin'ireo zanak'Israely izy ireo. 24 Satria ny ampahafolon-karen'ny vahoakan'Israely, izay natolotr'izy ireo ho ny fandraisana anjara aty Amiko—ireo no efa nomeko an'ireo Levita ho lovan'izy ireo. Izany no nilazako tamin'izy ireo hoe: 'Aoka tsy hanana lova eo amin'ireo zanak'Israely izy ireo.'" 25 Yaveh niresaka tamin'i Mosesy ary nanao hoe: 26 "Aoka ianao hiresaka amin'ireo Levita ary hilaza amin'izy ireo hoe: 'Rehefa mandray ny ampahafolo izay avy amin'ny zanak'Israely izay efa nomeko anao avy amin'izy ireo ho lovanao ianao, dia haneho fandraisana anjara avy amin'izany ho an'i Yaveh, ampahafolony amin'ny fahafolon-karena. 27 Ny fandraisanao anjara dia aoka ho raisinao tahaka ny hoe ampahafolon'ny voa avy amin'ny fikororohana na ny famokarana avy amin'ny famiazam-boaloboka izany. 28 Koa aoka ihany koa ianao hanao fandraisana anjara amin'i Yaveh avy amin'ny ampahafolon-karena izay raisinao avy amin'ny vahoakan'Israely. Fa avy amin'izy ireo no tsy maintsy hanomezanao ny anajarany ho an'i Arona mpisorona. 29 Ankoatra ny fanomezana rehetra raisinao, aoka hanao fandraisana anjara amin'i Yaveh ianao. Aoka hanao izany ianao avy amin'ny zavatra tsara sy masina indrindra rehetra izay efa nomena anao.' 30 Noho izany dia aoka ianao hilaza amin'izy ireo hoe: 'Rehefa manolotra ny tsara indrindra amin'izany ianareo, dia aoka hisaina ho an'ireo Levita ho toy vokatra avy amin'ny fikororohana sy ny famiazam-boaloboka izany. 31 Dia mahazo mihinana ny ambin'ny fanomezanareo amin'ny toerana rehetra ianareo, ianareo sy ny ankohonanareo, satria izany no karamanareo ho tambin'ny asanareo tao amin'ny trano-lay fihaonana. 32 Tsy ho meloka amin'izay heloka tamin'ny fihinana sy fisotroana izany ianareo, raha tsy efa nampiseho tamin'i Yaveh ny tsara indrindra avy amin'izay efa noraisinareo. Fa aoka ianareo tsy haniratsira ireo fanatitra masin'ny vahoakan'Israely, raha tsy izany dia ho faty ianareo."'
DH: "ireo fahotana rehetra izay nataon'ny olona tamin'ny fitoerana masina"
DH: "ireo fahotana rehetra izay nataon'ny olona tamin'ny fisoronana"
"izay mpisorona"
Manohy miresaka amin'i Arona i Yaveh.
Ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo mpikambana ao amin'ny fokon'i Levy; ary ny teny hoe ''ianao" dia manondro an'i Arona.
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro izay mpikambana ao amin'ny fokon'i Levy izay "manatona zavatra ao amin'ny fitoerana masina"; ary ny teny hoe "ianareo" dia manondro an'i Arona sy ireo Levita rehetra izay manompo amin'ny andraikitra nankatoavina.
Eto ny hoe "ianareo" dia manondro an'i Arona sy ireo Levita rehetra.
Ireo mety ho heviny dia 1) manambara ny hatezeran'Andriamanitra fatratra amin'ny vahoakany izany. DH: "mba tsy ho lasa tezitra mafy amin'ny vahoakan'Israely indray Aho" na 2) manambara ny fanasazian'Andriamanitra azy ireo noho ny hatezerany izany. DH: "mba tsy hanasazy ny vahoakan'Israely indray Aho"
Manohy miresaka amin'i Arona i Yaveh.
Ny fanendren'i Yaveh ireo Levita mba hanampy an'i Arona dia resahina toy ny hoe fanomezana izay nomena an'i Arona izy ireo. DH: "Tahaka ny fanomezana ho anao izy ireo"
Eto ny hoe "nomena" an'Andriamanitra dia manambara ny hoe voatokana mba hanompo an'Andriamanitra. DH: "izay efa natokako ho Ahy" na "ary efa natokako ho Ahy izy ireo"
Eto ny hoe "ianao" dia manondro an'i Arona. Ny fisehon'ny "ianareo" hafa dia manondro an'i Arona sy ireo zanany lahy.
"hanao ny asan'ireo mpisorona"
Ny ao anatin'ny lamba dia manambara hoe anatin'ny efitrano ambadiky ny lamba. DH: "ny zavatra rehetra ao anatin'ny efitrano ambadiky ny lamba"
DH: "Izay vahiny manatona dia tsy maintsy maty" na "Tsy maintsy vonoinareo izay vahiny manatona"
Izay tsy tokony hanatonan'izy ireo dia afaka ambara mazava. DH: "izay manatona ireo zavatra masina"
Eto ny hoe "asandratra Amiko" dia manambara ny fanomezana na fanolorana zavatra amin'Andriamanitra. DH: "ireo fanatitra izay omen'ny vahoaka Ahy"
Resahin'Andriamanitra toy ny hoe efa nanao izany Izy satria izany no fanapaha-kevitra izay efa nataony. DH: "Hanome ireo fanatitra ireo ho anao Aho"
Ny anjara dia zaran-javatra izay raisin'ny olona. DH: "ho zara izay ho raisinao hatrany hatrany"
DH: "izay tsy nodoranao tanteraka teo amin'ny alitara"
"ireo zara ireo dia tena masina"
Manohy miresaka amin'i Arona i Yaveh.
Ny hoe eken'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio izy ireo. DH: "ekeko" (UDB)
Manohy miresaka amin'i Arona Andriamanitra.
Io dia manondro ny voalohan'ny menaka, divay, ary vary izay nojinjain'izy ireo tsara indrindra.
Ny hoe eken'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio izy ireo. DH: "Ny olona rehetra ao amin'ny fianakavianao izay ekeko"
Manohy miresaka amin'i Arona Andriamanitra.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. DH: "Ny lahimatoa rehetra"
Ny fomba fiteny hoe "manokatra ny vohoka" dia midika hoe zazalahy voalohany izay ateraky ny reny.
Raha tokony hoe hanao sorona ireo lahimatoan'izy ireo, dia tokony hanefa ny zanaka lahin'izy ireo amin'ireo mpisorona ny olona.
DH: "Tsy maintsy mividy azy ireo indray ny olona rehefa lasa iray volana izy ireo"
Toa manondro ireo voalohan-teraky ny olombelona izay tsy maintsy vidiana indray ihany fa tsy ny voalohan-teraky ny biby maloto io.
Raha ilaina ny mampiasa ny mari-mandanjana amin'izao fotoana izao, dia indreto misy fomba roa hanaovana izany. DH: "vola volafotsy dimy...izay samy mitovy amin'ny folo grama avy" na "volafotsy dimampolo grama, raha ampiasana ny lanja mahazatra izay nampiasaina tao amin'ny fitoerana masina"
Ny sekely dia mari-pandanjana. Izay nolanjaina dia afaka ambara mazava. DH: "sekely volafotsy dimy"
Misy sekely izay samihafa lanja. Ity ilay iray izay tokony ampiasain'ny olona ao amin'ny fitoerana masina ao amin'ny lay masina. Izany dia milanja roapolo gera, izay eo ho eo amin'ny 11 grama.
Manohy miresaka amin'i Arona Andriamanitra.
Ny hoe tsy maintsy mamono ireo biby voalohany dia afaka ambara mazava. DH: "Tsy maintsy mamono ireo sy mamafy ny ràn'izany ianao"
DH: "izay nataonao tamin'ny afo" na "izay nodoranao tamin'ny afo teo amin'ny alitara"
Ny fankasitrahan'ny Tompo ny hanitra dia manambara ny fankasitrahany ny olona izay mandoro ny fanatitra. DH: "ary hankasitraka anao i Yaveh"
DH: "ny tratra sy ny fe ankavanana izay asandratrao ho fanomezana ho Ahy"
Manohy miresaka amin'i Arona Andriamanitra.
Resahin'Andriamanitra toy ny hoe efa nanao izany Izy satria fanapahan-kevitra izay efa nataony izany. DH: "Omeko ho anao"
Ny anjara dia zaran-javatra izay raisin'ny olona. DH: "ho zara izay ho raisinao hatrany hatrany"
Ireo andianteny roa ireo dia manondro zavatra iray ihany. Ireo miaraka dia manindry fa haharitra mandrakizay ny fanekena. DH: "fanekena mandrakizay"
"fanekena natao tamin'ny sira." Ny sira dia manambara faharetana ary nampiasaina tamin'ireo fanatitra sy ireo sakafon'ny fanekena. DH: "fanekena maharitra" na "fanekena maharitra mandrakizay"
Ny tany izay hananan'ny olona hafa dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe ho lovan'izy ireo izany. DH: "Tsy hanana na iray amin'ny tanin'ny vahoaka ianao" na "Tsy hahazo na iray amin'ny tany izay hananan'ireo Israelita ianao"
Ny voninahitra lehibe izay ho azon'i Arona sy ireo taranany amin'ny fanompoana Azy ho mpisorona dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe zavatra izay ho lovainy Andriamanitra. DH: "Fa kosa, Izaho no ho azonao" na "Fa kosa, avelako hanompo Ahy ianao ary hamatsy anao amin'izany asa fanompoana izany Aho"
Manohy miresaka amin'i Arona Andriamanitra.
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy fanasongadinana izay manaraka. DH: "eny tokoa, efa nanome"
Izay ho azon'i Arona sy ireo taranany dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe handova izany izy ireo. DH: "ho zaran'izy ireo amin'izay omeko ny Israely rehetra"
Manohy miresaka amin'i Arona Andriamanitra.
Ny tany izay hananan'ny olona hafa dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe ho lovan'izy ireo izany. Tsy hahazo na iray amin'ny tanin'ny aza ireo Levita. DH: "Tsy hahazo na iray amin'ny tany izay hananan'ireo Israelita izy ireo"
Izay ho azon'i Arona sy ireo taranany dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe handova izany izy ireo. DH: "ho zaran'izy ireo amin'izay omeko ny Israely rehetra"
Hanolotra ny ampahafolon'ny vokatr'izy ireo sy ny biby ny vahoakan'Israely, ary hanome izany ho an'ireo Levita i Yaveh.
Izay ho azon'i Arona sy ireo taranany dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe handova izany izy ireo. DH: "ho zaranao amin'izay omeko ny Israely rehetra"
DH: "Ny fandraisanao anjara dia tsy maintsy heverinao"
Manohy milaza amin'i Mosesy izay tsy maintsy lazainy amin'ireo Levita Andriamanitra.
Eto ny hoe "-ny" dia manondro an'i Yaveh. Io dia fandraisana anjara amin'ny heviny hoe tsy maintsy manome izany ho an'i Yaveh izy ireo. DH: "tsy maintsy manome ny fandraisana anjara izay tokony efainao amin'i Yaveh any amin'i Arona mpisorona ianao"
DH: "izay nomen'ny vahoakan'Israely anao"
Manohy miresaka amin'i Mosesy Andriamanitra.
"ny tsara indrindra amin'izay efa noraisinao avy amin'ny vahoakan'Israely"
Ny "fanomezana" dia ireo fanatitra izay nomen'ireo Israelita an'Andriamanitra ary izay noraisin'ireo Levita avy amin'izy ireo.
"Tsy ho meloka ianao rehefa mihinana na misotro izany"
1 Niteny tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy Izy hoe: 2 "Izao no lalàna, lalàna izay andidiako anareo: Lazao ny vahoakan'ny Israely fa tokony hitondra ombivavy kely mena tsy misy kilema eo aminareo izy ireo, ary izay tsy mbola nasiana zioga. 3 Omeo an'i Eleazara mpisorona ny ombivavy kely. Hitondra izany any ivelan'ny toby izy, ary hisy olona hamono izany eo anoloany. 4 Eliazara mpisorono dia haka kely amin'ny ràn'izany amin'ny tanany ary hamafy izany impito eo alohan'ny trano-lay fihaonana. 5 Ny mpisorona hafa dia handoro ny ombivavikely eo imasony. Handoro ny hodiny, ny nofony, ary ny ràny miaraka amin'ny tainy izy. 6 Aoka ny mpisorona haka hazo sedera, hysopa, sy volon'ondry mena, ary hanipy izany eo afovoan'ilay ombivavikely mirehitra. 7 Avy eo dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano izy. Ary mba ho afaka hankeo an-toby, izay hitoerany maloto mandra-pahariva ny andro izy. 8 Izay nandoro ny ombivavy kely dia hanasa ny akanjony amin'ny rano ary handro amin'ny rano. Hitoetra maloto mandra-pahariva ny andro izy. 9 Ny olona izay madio dia hanangona ireo lavenon'ny ombivavy kely ary hametraka izany eo amin'ny toerana madio ivelan'ny toby. Ireo lavenona ireo dia hotehirizina ho an'ny fiarahamonin'ny vahoakan'ny Israely. Hanafangaro ireo lavenona amin'ny rano fanadiovana amin'ny fahotana izy ireo, satria ny lavenona dia avy amin'ny fanatitra noho ny ota. 10 Izay nanangona ny lavenon'ny ombivavy kely dia hanasa ny akanjony. Hitoetra maloto mandra-pahariva Izy. Izany dia ho lalàna maharitra ho an'ny vahoakan'Israely ary ho an'ireo vahiny izay mitoetra miaraka amin'izy ireo. 11 Na iza na iza mikasika fatin'olona dia haloto mandritra ny fito andro. 12 Izany olona izany dia tsy maintsy manadio ny tenany amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito. Dia hadio izy. Fa raha tsy manadio ny tenany amin'ny andro fahatelo izy, dia tsy hadio izy amin'ny andro fahafito. 13 Na iza na iza mikasika fatin'olona, ny vatan'ny olona izay efa maty, ary tsy manadio ny tenany—izany olona izany dia mandoto ny tabernakelin'i Yaveh. Izany olona izany dia hofongorina eo amin'Israely satria tsy nafafy taminy ny rano ho an'ny fahalotoana. Hitoetra maloto izy; ny fahalotoany dia hitoetra aminy. 14 Izao no lalàna raha misy olona maty ao an-day. Izay rehetra mankao amin'ny lay sy izay rehetra efa tao amin'ny lay dia haloto mandritra ny fito andro. 15 Ny fitoeran-javatra misokatra rehetra tsy misy fonony dia haloto. 16 Toy izany koa, na iza na iza any ivelan'ny lay ka mikasika olona izay matin-tsabatra, na fatin'olona hafa, na taolan'olona, na fasana—izany olona izany dia haloto mandritra ny fito andro. 17 Ataovy ho an'ny olona maloto izao: Makà lavenona avy amin'ny fanatitra dorana nohon'ny ota ary afangaroy ao anaty siny miaraka amin'ny rano ireo. 18 Ny olona izay madio dia haka hysopa, androboka izany ao anaty rano, ka hamafy izany eo amin'ny lay, eo amin'ny fitoeran-javatra rehetra ao anatin'ny lay, amin'ireo olona izay eo, ary amin'izay rehetra nikasika ny taolana, izay voavono, izay maty, na ny fasana. 19 Amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito, ny olona madio dia hamafy izany amin'ny olona maloto. Amin'ny andro fahafito ny olona maloto dia hanadio ny tenany. Hanasa ny akanjony sy handro amin'ny rano izy. Hadio izy amin'ny hariva. 20 Fa izay rehetra mitoetra maloto, izay mandà tsy hanadio ny tenany—izany olona izany dia hofongorana eo amin'ny fiarahamonina, nohon'ny fandotoany ny fitoerana masin'i Yaveh. Tsy nafafy taminy ny rano ho an'ny fahalotoana; hitoetra maloto izy. 21 Ho lalàna mitohy mahakasika ireo toe-javatra ireo izany. Izay mamafy ny ranon'ny fahalotoana dia hanasa ny akanjony. Izay mikasika ny ranon'ny fahalotoana dia haloto mandra-pahariva. 22 Na inona na inona kasihin'ny olona maloto dia haloto izany. Ny olona izay mikasika izany dia haloto mandra-pahariva."
Ireo teny roa ireo dia manana hevitra iray ihany. DH: "didin'ny lalàna" na "didy ara-dalàna"
Eto ny hoe "aminao" dia manondro an'i Mosesy.
Ireo teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa tokony tsy hisy tsy fahatomombanana izany biby izany.
"ka ho hitany izany"
"Ny mpisorona" dia manondro an'i Eleazara.
"volon'ondry mena"
Eto ny hoe "izy" dia manondro an'i Eleazara mpisorona.
Ny hoe tsy eken'Andriamanitra na tsy tafiditra hanao izay asa masina dia resahina toy ny hoe tsy madio.
Ny hoe eken'Andriamanitra sy tafiditra hanao izay asa masina dia resahina toy ny hoe madio.
DH: "Tsy maintsy mitahiry ireo lavenona ireo ianao"
Ny hoe eken'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio.
Ny hoe tsy eken'Andriamanitra na tsy tafiditra hanao izay asa masina dia resahina toy ny hoe tsy madio.
Ny hevitry ny hoe "madio" dia manambara ny hoe eken'Andriamanitra.
Ny hevitry ny hoe "tsy madio", "voaloto", "maloto", ary "fahalotoana" dia manambara ny hoe tsy eken'Andriamanitra.
"izay fatin'olona"
Mangataka olona iray izay madio mba hanadio azy amin'ny famafazana rano mifangaro amin'ireo lavenon'ny ombivavy eo aminy ny olona. Ny fangatahana olona mba hanadio azy dia resahina toy ny hoe tokony hanadio ny tenany izy. DH: "mangataka olona mba hanadio azy"
DH: "tsy hadio izy amin'ny andro fahafito raha tsy manadio ny tenany amin'ny andro fahatelo"
Eto ny teny hoe "hofongorina" dia midika hoe nesorina taminy ny fananany ary nalefa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 9:13. DH: "Izany olona izany dia tsy maintsy alefa" na "tsy maintsy alefanao izany olona izany"
DH: "tsy nisy olona namafy ny rano ho an'ny fahalotoana taminy"
"rano izay nafafy tamin'ny zavatra maloto mba hanadiovana ireo" na "rano hanadiovan-javatra"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary nakambana mba hanasongadinana.
Ny hevitry ny hoe "maloto'' dia manambara ny hoe tsy eken'Andriamanitra na tsy mifanaraka amin'ny tokony ampiasaina.
DH: "Ireo fitoeran-javatra misokatra dia haloto hatrany raha tsy hoe misy sarony ireo"
DH: "ny olona izay novonoin'olon-kafa tamin-tsabatra"
Ny hevitry ny hoe "maloto'' dia manambara ny hoe tsy eken'Andriamanitra na tsy mifanaraka amin'ny tokony ampiasaina.
Ny hevitry ny hoe "madio" eto dia manambara ny hoe eken'Andriamanitra.
Ny hevitry ny hoe "madio" eto dia manambara ny hoe eken'Andriamanitra.
Ny hevitry ny hoe "maloto'', "voaloto'', ary "fahalotoana" dia manambara ny hoe tsy eken'Andriamanitra
Eto ny teny hoe "hofongorina" dia midika hoe nesorina izay fananany ary nalefa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 9:13. DH: "Izany olona izany dia tsy maintsy alefa" na "tsy maintsy alefanao izany olona izany"
DH: "tsy nisy olona namafy ny rano ho an'ny fahalotoana taminy"
"rano izay nafafy tamin'ny zavatra maloto mba hanadiovana ireo" na "rano hanadiovan-javatra". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 19:11.
1 Ary ny vahoakan'Israely, ny vondrona manontolo, dia nankany an'efitry ny Zina tamin'ny volana voalohany; nijanona tao Kadesy izy ireo. Tany Miriama no maty sy nalevina. 2 Tsy nisy rano ho an'ny vondrona, ary niara-niangona hanohitra an'i Mosesy sy Arona izy ireo. 3 Nitaraina tamin'i Mosesy ny vahoaka. Hoy izy ireo hoe: "Tsara kokoa raha maty toy ny Israelita namanay maty teo anatrehan'i Yaveh izahay! 4 Nahoana no nentinao mba ho faty aty amin'ity efitra ity ny fivondronan'i Yaveh, dia izahay sy ny biby fiompinay? 5 Nahoana ianao no nampiakatra anay nivoaka avy tany Egypta nitondra anay amin'ity toerana mahatsiravina ity? Indro tsy misy voa, aviavy, voaloboka, na apongaben-danitra eto, ary tsy misy rano ho sotroina." 6 Ary niala teo anatrehan'ny fivondronana i Mosesy sy Arona. Niditra teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana izy ireo ary niankohoka. Ary niseho tamin'izy ireo tao ny famirapiratan'ny voninahitr'i Yaveh. 7 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh ary nanao hoe: 8 "Alaivo ny tehina ary vorio ny fivondronana, ianao, sy Arona rahalahinao. Mitenena amin'ny vatolampy eo imason'izy ireo, ary mandidia mba hiboiboika rano izany. Hamokatra rano ho azy ireo avy ao amin'ny vatolampy ianao, ary tsy maintsy omenao ny fivondronana sy ireo biby fiompiny mba hosotroiny izany." 9 Noraisin'i Mosesy avy teo anoloan'i Yaveh ny tehina, araka ny nandidian'i Yaveh azy mba hatao. 10 Dia namory ny vahoaka teo anoloan'ny vatolampy i Mosesy sy Arona. Hoy i Mosesy tamin'izy ireo: "Ankehitriny mihainoa, ianareo mpikomy. Moa ve tsy maintsy hamoaka rano avy amin'ity vatolampy ity ho anareo izahay?" 11 Dia nanangana ny tanany i Mosesy ary nikapoka indroa ny vatolampy tamin'ny tehina, ka rano be no nivoaka. Nisotro ny fivondronana, sy ireo biby fiompiny. 12 Ary hoy i Yaveh tamin'ny Mosesy sy Arona: "Satria tsy natoky na nanome voninahitra Ahy ho masina teo imason'ny vahoakan'Israely ianareo, dia tsy hitondra ny fiangonana any amin'ny tany izay efa nomeko azy ireo ianareo." 13 Ity toerana ity dia nantsoina hoe ranon'i Meriba satria ny vahoakan'Israely dia nifanditra tamin'i Yaveh teo, ary nampiseho ny tenany tamin'izy ireo ho masina Izy. 14 Naniraka mpitondra hafatra avy tao Kadesy ho any amin'ny mpanjakan'i Edoma i Mosesy: Izao no lazain'Israely rahalahinao: "Fantatrao ny ady sarotra izay efa nanjo anay. 15 Fantatrao fa nidina tany Egypta ireo razanay ary nitoetra tao Egypta nandritra ny fotoana ela. Nitondra anay tamin'ny fahasiahana sy ireo razanay ihany koa ireo Egyptiana. 16 Rehefa niantso mafy an'i Yaveh izahay, dia nandre ny feonay Izy ka nandefa anjely ary nitondra anay nivoaka avy tao Egypta. Indro, aty Kadesy izahay, tanàna iray eto amin'ny faritry ny taninao. 17 Mangataka aminao aho ny mba hamelanao anay handalo eo amin'ny taninao. Tsy handalo amin'ny saha na tanim-boaloboka, na hisotro ny rano ao amin'ireo lava-dranonao izahay. Handeha eny amin'ny lalamben'ny mpanjaka izahay. Tsy hivily hiankavanana na hiankavia izahay mandra-pahatonganay eny amin'ny sisin-taninao." 18 Fa ny mpanjakan'i Edoma namaly azy hoe: "Tsy mahazo mandalo eto ianareo. Raha mandalo ianareo, dia ho avy miaraka amin'ny sabatra hanafika anareo aho." 19 Ary ny vahoakan'Israely nanao taminy hoe: "Hamakivaky ny lalam-be izahay. Raha misotro ny ranonao izahay na ny biby fiompinay, dia honeranay izany. Avelao fotsiny izahay mba handeha tongotra, fa tsy anao zavatra hafa." 20 Fa ny mpanjakan'i Edoma namaly hoe: "Tsy mahazo mandalo ianareo." Ka tonga namely an'Israely ny mpanjakan'i Edoma niaraka tamin'ny tana-maherin'ireo miaramila maro be. 21 Nandà ny hamela ny Israely hiampita teo amin'ny sisitan'izy ireo ny mpanjakan'i Edoma. Noho izany, dia nivily tamin'ny tanin'i Edoma ny Israely. 22 Koa niala tao Kadesy ny vahoaka. Ny vahoakan'Israely, ny fivondronana manontolo, nankany an-Tendrombohitra Hora. 23 Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona tao an-Tendrombohitra Hora i Yaveh, eo amin'ny sisitanin'i Edoma. Hoy Izy: 24 "Tsy maintsy hampiarahana amin'ny vahoakany i Arona, fa tsy hiditra amin'ny tany izay efa nomeko ny vahoakan'Israely izy. Izany dia satria samy nikomy nanohitra ny teniko tao amin'ny ranon'i Meriba ianareo. 25 Alaivo i Arona sy Eleazara zanany lahy, ary ento miakatra any an-Tendrombohitra Hora izy ireo. 26 Esory amin'i Arona ireo akanjo fisoronana ka ampanaovy an'i Eleazara zanany. Tsy maintsy ho faty Arona ary hampiarahina amin'ny vahoakany any." 27 Nanao araka izay nandidian'i Yaveh i Mosesy. Niakatra tany an-Tendrombohitra Hora teo imason'ny fivondronana rehetra izy ireo. 28 Nesorin'i Mosesy ny akanjo fisoronan'i Arona ary nampanaoviny an'i Eleazara zanany ireo. Maty teo an-tampon-tendrombohitra i Arona. Ary nidina i Mosesy sy Eleazara. 29 Rehefa hitan'ny vondrona rehetra fa maty i Arona, dia nisaona an'i Arona nandritra ny telopolo andro ny firenena manontolo.
Ny teny hoe "Sina" eto dia anaran'efitra Hebreo.
Io dia volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Io dia manamarika ny fotoana namonjen'Andriamanitra ireo Israelita tamin'ireo Egyptiana. Ny volana voalohany dia mandritra ny tapany faran'ny Martsa sy ny tapany voalohan'ny Aprily amin'ny tetiandro Tandrefana.
DH: "ary nalevin'izy ireo izy"
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ny fiangonana.
"tonga tahaka ny vahoaka be"
Io dia manambara ny hoe eo anoloan'ny lain'i Yaveh.
Manohy mitaraina amin'i Mosesy sy Arona ny vahoakan'Israely.
Mampiasa io fanontaniana io ny vahoaka mba hitarainana ny amin'i Mosesy sy Arona. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Tsy tokony nitondra ny fiangonan'i Yaveh tamin'ity efitra ity mba ho faty eto ianareo, dia izahay sy ny biby fiompinay."
Mampiasa io fanontaniana io ny vahoaka mba hitarainana ny amin'i Mosesy sy Arona. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Tsy tokony nasainareo niala tany Egypta mba hitondrana anay aty amin'ity toerana mahatsiravina ity ianareo."
Io dia milaza fa nanetri-tena teo anatrehan'Andriamanitra i Mosesy sy Arona.
Eto ny hoe "imason'izy ireo" dia manambara ny fahitan'ny vahoaka izay ataon'i Mosesy. DH: "raha mijery anao izy ireo"
Io dia manambara ny lain'i Yaveh. DH: "avy ao amin'ny lain'i Yaveh"
Mametraka io fanontaniana io tsy misy ahiahy i Mosesy mba hibedesana ny vahoaka noho ny fitarainana. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Mitaraina ianareo fa tsy misy rano. Koa, hampivoaka rano avy amin'ity vatolampy ity izahay." na "Tsy ho faly ianareo na dia hamoaka rano avy amin'ity vatolampy ity aza izahay. Nefa hataoko ihany izany."
Eto ny hoe "izahay" dia manondro an'i Mosesy sy Arona ary mety tafiditra ihany koa i Yaveh, fa tsy anisan'izany ny vahoaka.
Ny fomba nanehoan'i Mosesy fa tsy natoky ary tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy dia afaka ambara mazava. DH: "Satria tsy natoky Ahy na nanome voninahitra Ahy ho masina teo imason'ny vahoakan'Israely ianareo, fa nikapoka ny vatolampy raha tokony hoe hiteny izany araka izay nolazaiko anareo"
Eto ny maso dia manambara ny vahoaka mahita izay nataon'i Mosesy. DH: "raha mijery anareo ny vahoakan'Israely"
DH: "Izany toerana izany dia nantsoin'ny olona"
Mampiasa io andianteny io i Mosesy mba hanindriana fa nifandray ireo Israelita sy ireo Edomita satria mpirahalahy ny razamben'izy ireo, Jakoba ary Esao.
"Rehefa nivavaka tamin'i Yaveh niangavy Azy mba hanampy anay izahay"
Eto ny hoe "feo" dia manambara ny tomanin'izy ireo na izay nolazain'izy ireo taminy. DH: "nandre ny tomaninay Izy" na "nandre izay nangatahinay Izy"
Ny "Indro" eto dia manamarika fiovana ao amin'ny loha-hevitra. Niresaka momba ny lasan'izy ireo fotsiny ihany izy ireo. Izao dia miresaka momba ny trangan'izy ireo ankehitriny izy ireo raha nanomana ny hangataka amin'ny mpanjaka mba hanao zavatra.
Manohy miresaka amin'ny mpanjakan'i Edoma ireo mpitondra hafatra.
Eto ny hoe "mivily" dia manambara ny fialana amin'ny lalana. DH: "Tsy hiala amin'ny lalana na ho aiza na ho aiza izahay"
Io dia lalambe izay mampifandray an'i Damaskosy any avaratra amin'ny tany mihidin'i Akaba any atsimo.
Eto ny hoe "anareo" dia manondro an'i Mosesy, izay manambara ny vahoakan'Israely. DH: "Tsy afaka mandalo...mba hanafika azy ireo"
Eto ny sabatra dia manambara ny tafiky ny mpanjaka. DH: "Handefa ny tafiko aho" (UDB)
Io andianteny io dia manondro ireo mpitondra hafatra Israelita.
Io fomba fiteny io dia midika fa hamakivaky ny faritra amin'ny fandehanan-tongotra fotsiny ihany izy ireo. Tsy ho avy amin'ny kalesy mba hanafika ny vahoakan'i Edoma izy ireo.
Eto ny tanana dia manambara ny herin'ny tafiky ny mpanjaka. DH: "nandefa tafika mahery izay misy miaramila maro be mba hanafika an'Israely ny mpanjakan'i Edoma"
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo Edomita.
Ny andianteny hoe "ny fivondronana manontolo" dia manindry fa ny olona rehetra izay anisan'ny "vahoakan'Israely" dia teo, tsy nisy ankanavaka.
Io dia fomba malefaka hilazana fa tsy maintsy ho faty i Arona. Midika izany fa fotoana hahafatesan'i Arona izao ary ho an'ny fanahiny mba handeha any amin'ny toerana izay misy ireo razambeny. DH: "tsy maintsy ho faty i Arona"
Eto ny hoe "teny" dia manambara izay nolazain'Andriamanitra. DH: "nandà ny hanao izay nolazaiko"
Manohy miresaka amin'i Mosesy Andriamanitra.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ireo dia midika fa fotoana hahafatesan'i Arona izao ary ho an'ny fanahiny mba handeha any amin'ny toerana izay misy ireo razambeny.
"30 andro"
1 Rehefa ren'ilay Kananita mpanjakan'i Arada, izay nonina tao Negeva, fa nandeha tany amin'ny lalana mankany Atarima ny Israely, dia niady tamin'Israely izy ary naka ny sasany tamin'izy ireo ho babo. 2 Nivoady tamin'i Yaveh ny Israely ary nanao hoe: "Raha omenao fandresena amin'ireo vahoaka ireo izahay, dia ho potehinay tanteraka ny tanànan'izy ireo." 3 Nihaino ny feon'Israely i Yaveh ary nanome azy ireo ny fandresena an'ireo Kananita. Nopotehin'izy ireo tanteraka izy ireo sy ny tanànany. Nantsoina hoe Horma izany toerana izany. 4 Niala avy ao an-tendrombohitra Hora nandalo ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena izy ireo mba handeha hanodidina ny tanin'i Edoma. Niha-kivy tanteraka ny vahoaka teny an-dalana. 5 Niresaka nanohitra an'Andriamanitra sy Mosesy ny vahoaka hoe: "Nahoana izahay no nentinao niakatra hivoaka an'i Egypta mba ho faty aty an'efitra? Tsy misy mofo, tsy misy rano, ary halanay ity sakafo fadiranovana ity." 6 Avy eo Yaveh nandefa bibilava misy poizina teo amin'ny vahoaka. Nanaikitra ny olona ireo bibilava; maro ny olona maty. 7 Nanatona an'i Mosesy ny vahoaka ary nanao hoe: "Nanota izahay satria niresaka nanohitra anao sy Yaveh. Mivavaha amin'i Yaveh mba hanalany ireo bibilava aminay." Koa dia nivavaka ho an'ny vahoaka i Mosesy. 8 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Manaova bibilava ary hafatory amin'ny hazo lava izany. Izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany izy." 9 Koa nanao bibilava varahina Mosesy ary namatotra izany tamin'ny hazo lava. Raha manaikitra olona ny bibilava, raha nijery ilay bibilava varahina izy, dia velona. 10 Avy eo nandeha ny vahoakan'Israely ary nitoby tao Obota. 11 Nandeha avy tao ary nitoby tany Leabarima tany an'efitra izay manatrika an'i Moaba tandrifin'ny atsinanana izy ireo. 12 Niala avy tao izy ireo ary nitoby tany amin'ny Lohasahan-driaka Zareda. 13 Niala tao izy ireo ary nitoby tany an-dafin'ny Reniranon'i Arnona, izay any an'efitra izay mihitatra avy any amin'ny fari-tanin'ireo Amorita. Ny Reniranon'i Arnona no fari-tanin'i Moaba, anelanelan'ny Moabita sy ireo Amorita. 14 Izany no antony hilazana ao amin'ny horonan-taratasin'ny Adin'i Yaveh hoe: "Vaheba any Sofa, ary ireo lohasahan-driakan'i Arnona, 15 ny antsan'ireo lohasahan-driaka izay mitarika mankany amin'ny tanànan'i Ara ary midina mankany amin'ny fari-tanin'i Moaba." 16 Niala tao izy ireo ary nankany Bera, izay misy ilay fantsakana izay nitenenan'i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Angony miaraka ny vahoaka mba hanomezako rano azy ireo." 17 Avy eo nikalo ity hira ity ny Israely: "Miboiboiha, ry fantsakana. Ataovy an-kira izany. 18 Ilay fantsakana izay nohadian'ireo mpitaritsika, ilay fantsakana izay nohadian'ireo manan-kajan'ny vahoaka tamin'ny tehim-panjakana sy tehin'izy ireo." Avy eo dia niala tao an'efitra izy ireo ary nankany Matana. 19 Niala tao Matana izy ireo ary nankany Nahaliela, ary avy ao Nahaliela nankany Bamota, 20 ary avy ao Bamota nankany amin'ny lohasahan-driakan'ny tany Moaba. Eo an-tampon'ny Tendrombohitra Pisga no hahatazanana ny tany efitra. 21 Avy eo Israely nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Sihona mpanjakan'i Amorita nanao hoe: 22 "Avelao izahay hamakivaky eo amin'ny taninao. Tsy hivily any amin'ny saha rehetra na ny tanim-boaloboka izahay. Tsy hisotro ny rano avy eo amin'ny fantsakanao izahay. Handeha eo amin'ny lalan'ny mpanjaka izahay mandra-piampitanay ny fari-taninao." 23 Fa tsy navelan'i Sihona mpanjaka handalo ny fari-tanin'izy ireo ny Israely. Fa kosa, nanangona ny tafiny i Sihona mpanjaka ary nanafika an'Israely tany an'efitra. Tonga tany Jahaza izy, izay niadiany tamin'Israely. 24 Nanafika ny tafik'i Sihona tamin'ny lelan-tsabatra ny Israely ary naka ny tanin'izy ireo avy eo Arnona ka hatrany amin'ny renirano Jaboka, hatrany amin'ny tanin'ny vahoakan'i Amona. Ary mafy ny fari-tanin'ny vahoakan'i Amona. 25 Naka ireo tanànan'ny Amorita rehetra ny Israely ary nipetraka tao amin'izy rehetra, isan'izany Hesboba sy ny zana-bohiny rehetra. 26 Hesbona no tanànan'i Sihona mpanjakan'ireo Amorita, izay niady tamin'ny mpanjakan'i Moaba teo aloha. Nalain'i Sihona avokoa ny taniny rehetra hatrany amin'ny fari-taniny ka hatrany amin'ny Reniranon'i Arnona. 27 Izany no antony hilazan'ireo izay miresaka amin'ny ohabolana hoe: "Avia aty Hesbona. Aoka ilay tanànan'i Sihona ho hatsangana indray ary ho apetraka indray. 28 Nisy afo nandoro avy ao Hesbona, lelafo avy ao an-tanànan'i Sihona izay nandevona an'i Aran'i Moaba, sy ireo tompon'ireo toerana avon'i Arnona. 29 Loza ho anao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon'i Kemosy. Nataony ho mpandositra ireo zanany lahy ary gadran'i Sihona mpanjakan'ireo Amorita ireo zanany vavy. 30 Fa resinay Sihona. Hesbona dia rava hatrany amin'ny lalana rehetra mankany Dibona. Resinay izy ireo teny amin'ny lalana rehetra mankany Nofa, izay mihazo an'i Medeba." 31 Koa nanomboka nonina teo amin'ny tanin'ireo Amorita ny Israely. 32 Avy eo Mosesy nandefa olona hijery an'i Jazera. Nalain'izy ireo ny zana-bohiny ary noroahin'izy ireo izay Amorita tao. 33 Avy eo nivily izy ireo ary niakatra ho any amin'ny lalana mankany Basana. Nivoaka nanohitra azy ireo i Oga mpanjakan'i Basana, izy sy ny tafiny, mba hiady amin'izy ireo any Edrehy. 34 Avy eo Yaveh nilaza tamin'i Mosesy hoe: "Aza matahotra azy, satria nomeko fandresena eo aminy, ny tafiny rehetra, ary ny taniny ianao. Ataovy aminy izay nataonao tamin'i Sihona mpanjakan'i Amorita, izay monina any Hesbona." 35 Koa novonoin'izy ireo izy, ireo zanany lahy, ary ny tafiny rehetra, mandra-pahafatin'ny olony rehetra. Avy eo dia nalain'izy ireo ny taniny.
Eto ny hoe "niady" dia midika fa niady ny tafiny. DH: "niady tamin'ny Israely ny tafiny"
Io dia manondro ny vahoakan'Israely. DH: "Nivoady ny vahoakan'Israely" na "Nanao voady ireo Israelita"
Eto ny hoe "nihaino" dia midika fa nanao araka izay nangatahin'izy ireo i Yaveh. DH: "nanao izay nangatahan'ny Israely"
Eto ny hoe "feo'' dia sarinteny izay manondro ny fangatahan'izy ireo. DH: "izay nangatahan'ny Israely"
"Nandringana tanteraka ny tafika Kananita sy ny tanànan'izy ireo ny vahoakan'Israely"
DH: "Nantsoin'izy ireo hoe Horma izany toerana izany"
Mampiasa io fanontaniana io ny vahoaka mba hibedesana an'i Mosesy. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Tsy tokony nandefa anay niala tao Egypta mba ho faty any an'efitra ianareo!"
"efa nilaza zavatra ratsy momba an'i Yaveh sy ianao izahay"
Ny teny hoe "izahay" eto dia manondro ny vahoaka fa tsy Yaveh na Mosesy.
Satria tsy hain'i Mosesy atao ny manamboatra bibilava tena izy, dia midika io fa tokony hanao sarina bibilava izy. Io fampahalalana nazavaina io dia afaka atao mazava. DH: "Manaova sarina bibilava"
DH: "ny olona rehetra izay voakaikitry ny bibilava"
"bibilava vita amin'ny varahina"
Eto ny hoe "izy" dia manondro "olona" izay voakaikitry ny bibilava.
Eto ny hoe "manatrika" dia fomba fiteny izay midika hoe "ampitan'ny" na "akaikin'ny". DH: "izay akaikin'i Moaba"
Io dia midika fa mipetraka eo amin'ny lafin'ny renirano samihafa, izay fari-tany manelanelana azy ireo ny vahoaka roa. Ny vahoaka Moabita no nipetraka tany atsimon'ny renirano ary ny Amorita no nipetraka tany avaratra.
Ireo dia samy anaran-toerana.
"fidinanana mankany amin'ny tanànan'i Ara ary sisintanin'ny tanànan'i Moaba"
DH: "nankany Bera. Misy fantsakana ao" (UDB)
DH: "izay nilazan'i Yaveh an'i Mosesy ny mba hanangonana ny vahoaka miaraka mba hanomezany rano ho azy ireo"
Eto ny "lava-drano" dia manambara ny rano ao amin'ny lava-drano. Miresaka amin'ny rano toy ny hoe olona izay afaka mandre azy ireo ny Israelita, ary mangataka azy ireo mba hameno ny lava-drano izany. DH: "Ry rano, fenoy ny lava-drano"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry ny asan'ireo mpitarika tamin'ny fandavahana ny lava-drano.
Ny tehim-panjakana dia nolanjain'ireo izay manam-pahefana, ary ny tehina dia nolanjain'ny olona rehetra. Samy tsy fitaovana fandavahana ireo. Ireo zavatra roa ireo dia manindry fa tsy tena nirehareha izy ireo fa nampiasa izay fitaovana nisy. DH: "nampiasa na dia ny tehim-panjakana sy tehin'izy ireo aza"
Ireo dia anaran-toerana.
Io dia anaran-tendrombohitra.
Io dia fomba fiteny. Io dia fomba hilazana fa avo ny tendrombohitra, ary miresaka ny tendrombohitra toy ny hoe olona izay mijery ny efitra eo ambaniny izany. DH: "miakatra ambonin'ny efitra" (UDB)
Eto ny hoe "Israely" dia manondro ny vahoakan'Israely, ary indrindra ireo mpitarik'izy ireo. DH: "Avy eo ireo Israelita"
"Tsy handeha ao amin'ny sahanareo na ireo tanim-boalobokareo izahay"
Io dia lalambe izay mampifandray an'i Damaskosy any avaratra amin'ny tany mihidin'i Akaba any atsimo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 20:17.
"mba hiampita ny faritanin'izy ireo." Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo Amorita.
Io dia anaran-toerana.
Eto ny hoe "-ny" dia manondro ny tafik'i Sihona mpanjaka, ary ny hoe "Israely" dia manondro ny vahoakan'Israely. DH: "niady tamin'ireo Israelita ny tafiny"
Eto ny hoe "Israely" dia manondro ny vahoakan'Israely. DH: "Nanafika ireo Israelita"
"tamin'ny faritra maranitry ny sabatra." Ny "lelan-tsabatra" dia mifandraika amin'ny fahafatesana sy ny faharinganana tanteraka. DH: "ary nandresy azy ireo tanteraka" (UDB)
"nahazo ny tanin'ireo Amorita." Eto ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo Amorita.
"Ireo Amonita...ireo Amorita" na "ny vahoakan'i Amona...ny vahoakan'i Amora." Ireo anararana ireo dia mitovy ihany, fa manondro vondron'olona roa samihafa.
"tena voaaro mafy" (UDB). Tsy nanafika ireo Amonita ny Israelita.
Eto ny hoe "-ny" dia maneho fa misy fifandraisana eo amin'ny tanànan'i Hesbona sy ireo zana-bohitra akaikiny ireo. DH: "Hesbona sy ireo zana-bohiny izay nofehezin'izany"
Eto ny hoe "-ny" dia manondro ny mpanjakan'i Moaba.
Ireo dia anarana roa izay manondro tanàna iray ihany.
DH: "Aoka hatsangan'ny olona indray ary apetraka indray ny tanànan'i Sihona"
Ireo teny roa ireo dia tena mitovy ary manindry fa ho averina hatsangana manontolo indray ny tanàna. DH: "hatsangana manontolo indray"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa hanomboka ny faharavana ao Hesbona. Ny afo dia manondro tafika mpandrava. DH: "Nitarika tafika mahery avy tamin'ny tanànan'i Hesbona i Sihona mpanjaka."
Ny tafik'i Sihona dia resahina toy ny hoe biby izay mitelina ny tanànan'i Ara. DH: "nandrava ny tanànan'i Ara izay ao amin'ny tanin'i Moaba"
Ireo andianteny roa ireo dia manondro vahoaka iray ihany.
"Kemosy" dia anaran'andriamani-tsy izy izay notompoin'ireo Moabita. DH: "ny vahoaka izay manompo an'i Kemosy"
Ny hoe "-ny" dia manondro an'i Kemosy.
Eto ny hoe "-nay" dia manondro ireo Israelilta izay nandresy an'i Sihona.
DH: "Noravainay i Hesbona"
Ireo dia toerana ao amin'ny fanjakan'i Sihona avokoa. Midika izany fa nandrava ny firenen'i Sihona manontolo ireo Israelita.
"nalàna"
"nanafika azy ireo"
Nandrava tanteraka an'i Sihona ireo Israelita. DH: "Ravao tahaka ny nandravanao an'i Sihona mpanjakan'i Amorita izy"
"Koa novonoin'ny tafik'Israely i Oga"
DH: "maty avokoa ny olony rehetra"
"nofehezin'izy ireo ny taniny"
1 Nandeha mandra-pitobin'izy ireo tao amin'ireo lemak'i Moaba akaikin'i Jeriko, teny ampitan'ny Reniranon'i Jordana miala eo amin'ny tanàna ny vahoakan'Israely. 2 Nahita izay rehetra nataon'ny Israely tamin'ireo Amorita i Balaka zanak'i Zipora. 3 Natahotra mafy ny vahoakan'ny Israely i Moaba satria maro loatra izy ireo, ka nihorohoro tamin'ny vahoakan'ny Israely i Moaba. 4 Niteny tamin'ireo loholon'ny Midiana ny mpanjakan'ny Moaba hoe: "Hihinana ny rehetra izay manodidina antsika tahaka ny omby mihinam-bilona eny an-tsaha ireo maro ireo." Ary i Balaka zanak'i Zipora no mpanjakan'i Moaba tamin'izany fotoana izany." 5 Nandefa iraka ho any amin'i Balama zanak'i Beora, tao Petora izay akaikin'ny Reniranon'i Eofrata, tao amin'ny tanin'ny fireneny sy vahoakany izy. Niantso azy izy ka nanao hoe: "Indro, misy firenena avy any Egypta tonga eto. Mandrakotra ny tany izy ireo ary eto akaikiko izao. 6 Ka tongava re ankehitriny ka ozony ho ahy izany firenena izany, satria mahery loatra amiko izy ireo. Angamba mba afaka hanafika azy ireo sy handroaka azy ireo amin'ny tany aho. Fantatro fa na iza na iza tahianao dia ho voatahy, ary na iza na iza hozoninao, dia ho voaozona." 7 Dia lasa ireo loholon'i Moaba sy ireo loholon'i Midiana, nitondra ny saran'ny sikidy. Tonga teo amin'i Balama izy ireo ka niteny taminy ireo tenin'i Balaka. 8 Hoy Balama tamin'izy ireo: "Mitoera eto anio alina. Hilaza aminareo izay lazain'i Yaveh amiko aho." Dia nitoetra tao amin'i Balama io alina io ireo mpitarik'i Moaba. 9 Tonga teo amin'i Balama Andriamanitra ka nanao hoe: "Iza ireo lehilahy izay tonga eto aminao ireo?" 10 Namaly an'Andriamanitra i Balama hoe: "Balaka zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, no naniraka azy ireo hankaty amiko. Hoy izy: 11 'Indro, ny vahoaka izay tonga avy any Egypta dia mandrakotra ny velaran'ny taniko. Ankehitriny tongava ary ozony izy ireo ho ahy. Angamba hahavita hiady amin'izy ireo sy handroaka azy ireo aho." 12 Namaly an'i Balama Andriamanitra hoe: "Tsy handeha miaraka amin'ireo lehilahy ireo ianao. Tsy hanozona ny vahoakan'ny Israely ianao satria efa voatahy izy ireo." 13 Nitsangana i Balama ny maraina ka niteny tamin'ireo mpitarik'i Balaka hoe: "Miverena any amin'ny taninareo satria mandà ny hamela ahy hiaraka aminareo Yaveh." 14 Dia lasa ireo mpitarik'i Moaba ka niverina tany amin'i Balaka. Hoy izy ireo: "Nandà tsy hiaraka aminay i Balama." 15 Naniraka mpitarika maro izay be voninahitra kokoa noho ilay vondrona voalohany indray i Balaka. 16 Tonga tany amin'i Balama izy ireo ka nanao taminy hoe: "Izao no lazain'i Balaka zanak'i Zipora: 'Aoka re tsy hisy na inona na inona hanakana anao tsy hiaraka aminay, 17 satria handoa tsara lavitra sy hanome voninahitra lehibe ho anao aho, ary hanao izay rehetra lazainao ataoko. Koa mba tongava re ka ozony ho ahy izany vahoaka izany.'" 18 Namaly Balama ka nanao tamin'ireo lehilahin'i Balaka hoe: "Na dia hanome ahy ny lapany feno volafotsy sy volamena aza i Balaka, dia tsy hihoatra ny tenin'i Yaveh, Andriamanitro, ka andatsaka na ampitombo izay lazainy amiko aho. 19 Koa ankehitriny, mba miandrasa eto ihany koa re anio alina, mba ahafantarako ny zavatra bebe kokoa izay lazain'i Yaveh amiko." 20 Tonga tamin'i Balama ny alina Andriamanitra ka nanao taminy hoe: "Satria tonga mba hiantso anao ireo lehilahy ireo, dia mitsangàna ka miaraha amin'izy ireo. Nefa izay lazaiko anao ho ataonao ihany no ataovy." 21 Nifoha maraina i Balama, nanisy lasely ny borikiny, ka nandeha niaraka tamin'ireo mpitarik'i Moaba. 22 Nefa satria nandeha izy, dia nirehitra ny fahatezeran'Andriamanitra. Nipetraka teo an-dalana toy ny mpifahavalo amin'i Balama, izay nitaingina ny borikiny ny anjelin'i Yaveh. Niaraka taminy ihany koa ny mpanompon'i Balama roa. 23 Nahita ny anjelin'i Yaveh nijoro teo an-dalana ilay boriky ary nisy sabatra voatsoaka teny an-tanany. Niala tamin'ny lalana ilay boriky ka nankany an-tsaha. Nikapoka ny borikiny mba hamerina azy amin'ny lalana i Balama. 24 Dia nijoro teo amin'ny faritra tery tamin'ny lalana anelanelan'ny tanimboaloboka maro ilay anjely, ary nisy fefy teo andaniny ary fefy iray hafa teo ankilany. 25 Nahita ny anjelin'i Yaveh indray ilay boriky. Nikisina ny rindrina izy ka nanery ny tongotr'i Balama tamin'izany. Nokapohin'i Balama indray izy. 26 Nandroso ihany ilay anjelin'i Yaveh ary nitsangana teo amin'ny toerana tery hafa izay tsy misy lalana iviliana ny andaniny sy ny ankilany. 27 Nahita ny anjelin'i Yaveh ilay boriky, ka nidaboka tamin'ny tany tao ambanin'i Balama. Nirehitra ny fahatezeran'i Balama, ka nokapohiny tamin'ny tehiny ilay boriky. 28 Dia nanokatra ny vavan'ilay boriky i Yaveh mba hiteny izy. Hoy izy tamin'i Balama: "Inona no nataoko anao ka nahatonga anao hikapoka ahy izay intelo izay?" 29 Namaly ilay boriky i Balama hoe: "Satria niadaladala tamiko ianao. Tokony mba nisy sabatra tety an-tanako. Fa raha nisy, dia efa matiko ianao ankehitriny." 30 Hoy ilay boriky tamin'i Balama: "Moa ve tsy izaho ilay borikinao izay notaingenanao nandritra ny fiainanao rehetra mandraka ankehitriny? Moa ve efa nanam-pahazarana nanao zavatra tahaka izao taminao aho taloha?" Hoy Balama hoe: "Tsia." 31 Dia nosokafan'i Yaveh ny mason'i Balama, ka nahita ny anjelin'i Yaveh nijoro teo amin'ny lalana ary misy sabatra voatsoaka teny an-tanany izy. Nanondrika ny lohany ka niankohoka i Balama. 32 Hoy ilay anjelin'i Yaveh taminy: "Nahoana no nikapoka ny borikinao izay intelo izay ianao? Indro, tonga tahaka ny mpifahavalo aminao aho satria ratsy ny zavatra nataonao teo anoloako. 33 Nahita ahy ny boriky ka niala ahy izay intelo izay. Raha tsy niala ahy izy, dia efa novonoiko tokoa ianao fa hamelona azy aho." 34 Hoy Balama tamin'ilay anjelin'i Yaveh: "Nanota aho. Tsy fantatro fa nijoro teo anoloako teo an-dalana ianao. Koa ankehitriny, raha tsy mahafaly anao izany, dia hiverina aho." 35 Nefa hoy ilay anjelin'i Yaveh tamin'i Balama: "Mandrosoa miaraka amin'ireo lehilahy. Nefa ireo teny izay lazaiko anao ihany no hoteneninao." Dia niaraka tamin'ireo mpitarik'i Balaka i Balama. 36 Rehefa ren'i Balaka fa tamy i Balama, dia nivoaka hitsena azy tao an-tanànan'i Moaba tao Arnona izy, izay tao amin'ny faritany. 37 Hoy Balaka tamin'i Balama: "Moa ve tsy naniraka lehilahy mba hiantso anao aho? Nahoana ianao no tsy tonga teto amiko? Moa ve tsy afaka manome voninahitra anao aho?" 38 Dia namaly an'i Balaka i Balama hoe: "Indro, efa tonga eto aminao aho. Moa ve manana fahefana hilaza zavatra aho ankehitriny? Ireo teny izay apetrak'i Yaveh ao am-bavako ihany no azoko lazaina." 39 Niaraka tamin'i Balaka i Balama, ary tonga tao Kiriata-hozota izy ireo. 40 Dia nanao sorona omby sy ondry i Balaka ka nanome hena ho an'i Balama sy ireo mpitarika izay niaraka taminy. 41 Ny maraina, dia nitondra an'i Balama niakatra tany amin'ny toerana avon'i Bala i Balaka. Ny ampahan'ireo Israelita tao an-tobin'izy ireo ihany no hitan'i Balama avy teny.
Nitoby teo atsinanan'ny Reniranon'i Jordana ireo Israelita. Jeriko dia teo andrefan'ny renirano.
Balaka no mpanjakan'i Moaba.
Zipora no rain'i Balaka.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany, ary manindry fa tena natahotra Moaba.
Eto ny hoe "Moaba" dia manondro ny vahoakan'i Moaba. DH: "Natahotra mafy ireo Moabita rehetra"
Vondron'olona roa samihafa ny Moabita sy ny Midianita, fa ny Midianita dia nipetraka tao amin'ny tanin'i Moaba tamin'izany fotoana izany.
Ny fomba handravan'Israelita ny fahavalon'izy ireo dia resahina toy ny hoe omby mihinam-bilona eny an-tsaha izy ireo.
Io dia fiovana miala amin'ny vontoatin'ny tantara ho amin'ny fampahafantarana fototra momba an'i Balaka.
"Nandefa iraka i Balaka"
Io no anaran'ny rain'i Balama.
Io dia anaran-tanàna.
"firenen'i Balama sy ny vahoakany"
"Niantso an'i Balama i Balaka." Tsy niresaka nivantana tamin'i Balama i Balaka, fa nanao izany tamin'ny alalan'ireo iraka izay nalefany.
Io dia fanitarana mba hanindriana fa tena maro izy ireo. DH: "Tena maro tafahoatra izy ireo"
Io dia manondro ny velaran'ny tany.
"alao izy ireo"
DH: "Fantatrao fa manan-pahefana hitahy na hanozona olona ianao"
Ny anarana hoe "sikidy" dia afaka ambara amin'ny asa. DH: "vola mba haloa amin'i Balama mba hanozonany ny Israely"
Mety ho tianao ny hilaza hoe "Nankany amin'i Balama izy ireo"
Eto ny hoe "teny" dia manondro ny hafatra. DH: "nilaza taminy ny hafatra avy amin'i Balaka"
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:2.
Ny tatitr'i Balama dia resahina toy ny hoe zavatra izay azon'ireo mpitondra hafatra lanjaina izany. DH: "Holazaiko anareo"
"Niseho tamin'i Balama Andriamanitra"
Mampiasa io fanontaniana io i Yaveh mba hampidirana vontoantin-dresaka vaovao. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Lazao Ahy ny momba ireo lehilahy izay tonga eo aminao ireo."
Ireo dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:2.
Mitanisa ny hafatra izay nalefan'i Balaka taminy indray i Balama. Jereo ny nandikanao ny ankamaroan'ireo andianteny ireo ao amin'ny 22:5.
"hanala azy ireo"
DH: "satria efa nitahy azy ireo Aho"
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:2.
Mety tianao ny milaza hoe "Nankany amin'i Balama izy ireo"
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:2.
Io anarana io dia manondro ireo Israelita ho vondrona. DH: "io vondrom-bahoaka io"
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:2.
Manoritsoritra ny zavatra izay hitranga i Balama. Manindry izy fa tsy misy na inona na inona ahatonga azy tsy ankatoa an'i Yaveh.
Midika izany fa tsy afaka ny tsy hankatoa an'i Yaveh amin'ny fomba rehetra i Balama.
Ny lasely dia seza napetraka eo an-damosin'ny biby mba hitaingenana izany.
Ny fitombon'ny hatezeran'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe afo izay manomboka mandoro izany. DH: "Nanjary tezitra mafy Andriamanitra"
"ho fahavalon'i Balama" na "mba hanakana an'i Balama"
Ny sabatra dia tsoahina amin'ny fitoerana mba ho azo ampiasaina. DH: "nisy sabatra vonona hanafika"
Nanao izany ilay boriky mba hialana amin'ilay anjelin'i Yaveh.
Ny biby matetika dia tondroina amin'ny hoe "azy" na "izy". DH: "mba hamerina izany"
Io dia fomba handosirana ilay anjelin'i Yaveh teo amin'ny lalana.
Ny biby matetika dia tondroina amin'ny hoe "azy" na "izy". DH: "Nikisina izany"
"nanosika ny tongotr'i Balama hidona amin'izany" na "nandratra ny tongotr'i Balama tamin'izany"
Ny fitombon'ny hatezeran'i Balama dia resahina toy ny hoe afo izay manomboka mandoro izany. Jereo ny nandikanao ny andianteny mitovy amin'izany ao amin'ny 22:2. DH: "Nanjary tezitra mafy Balama"
Ny fanokafana ny vava dia nifandraika amin'ny fahafahana miteny. DH: "Dia nanome fahafahana ilay boriky mba hiteny tahaka ny hitenen'ny olombelona i Yaveh"
"Hoy ilay boriky tamin'i Balama"
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hanamelohana an'i Balama fa tsy rariny ny fitsarany ilay boriky. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Izaho ilay borikinao izay notaingenanao nandritra ny fiainanao rehetra, hatramin'izao fotoana izao."
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hanamelohana an'i Balama ihany fa tsy rariny ny fitsarany ilay boriky. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: " tsy nanam-pahazarana nanao zavatra tahaka izao taminao aho!"
Ny hoe "manokatra mason'olona" dia nifandraika amin'ny fahafahana mijery. DH: "Dia nomen'i Yaveh fahafahana mba hahita ilay anjelin'i Yaveh i Balama"
Ny sabatra dia tsoahina amin'ny fitoerana mba ho azo ampiasaina. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:21. DH: "nisy sabatra vonona hanafika"
Io dia milaza fa nanetri-tena teo anoloan'ilay anjely i Balama.
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hiampangana an'i Balama tamin'ny fanaovana hadisoana. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Tsy tokony nikapoka ny borikinao izay intelo izay ianao."
"ho fahavalonao" na "mba hanohitra anao"
Io fehezanteny misy petra-kevitra io dia milaza izay mety hitranga, fa tsy nitranga satria nanavotra an'i Balama ny zavatra nataon'ilay boriky.
"Koa raha tsy tianao mbola handeha ihany aho" (UDB)
"niaraka tamin'ireo mpitarika izay nalefan'i Balaka." Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "Balaka" tao amin'ny 22:2.
Io dia anarana renirano. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 21:12.
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hibedesana an'i Balama tamin'ny fahataran'ny fahatongavany. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Nandefa lehilahy mba hiantso anao tokoa aho."
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hibedesana an'i Balama tamin'ny fahataran'ny fahatongavany. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Tokony tonga teto amiko ianao!"
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hibedesana an'i Balama tamin'ny fahataran'ny fahatongavany. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Fantatrao tokoa fa afaka mandoa vola aminao amin'ny fankanesanao eto amiko aho."
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Balama mba hilazana amin'i Balaka fa tsy ho afaka hanao izay zavatra angatahin'i Balaka ho ataony izy. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Nefa tsy manam-pahefana hilaza izay zavatra tiako aho"
Eto ny hoe "teny" dia manondro ny hafatra avy amin'Andriamanitra. Ny hafatra dia resahina toy ny hoe zavatra izay nataon'Andriamanitra tao am-bavany. DH: "ny hafatra izay tian'Andriamanitra holazaiko"
Io dia anaran-tanan-dehibe.
"sasany amin'ny hena avy amin'ny sorona"
Ireo mety ho heviny dia 1) io dia manondro ny toerana tahaka an'i Bamota ao amin'ny 21:19 ihany. Ny teny hoe Bamota dia midika hoe "ny toerana avo", na 2) io dia toerana avo hafa izay anaovan'ny olona sorona ho an'i Bala.
1 Hoy Balama tamin'i Balaka: "Manorena alitara fito eto ho ahy ary manomàna ombilahy fito sy ondry fito." 2 Koa dia nanao araka izay nangatahin'i Balama i Balaka. Dia nanolotra omby iray sy ondry iray teo amin'ireo alitara rehetra i Balaka sy Balama. 3 Dia hoy Balama tamin'i Balaka hoe: "Mijoroa eo akaikin'ny fanatitra doranao dia handeha aho. Mety ho avy hihaona amiko angamba Yaveh. Na inona na inona asehony ahy dia ho lazaiko aminao." Koa dia lasa nankany amin'ny tampon-kavoana tsy nisy hazo izy. 4 Rehefa teo amin'ny tampon-kavoana izy, dia nihaona taminy Andriamanitra, ary hoy Balama taminy: "Efa nanorina alitara fito aho, ary efa nanolotra ombilahy iray sy ondry iray avy teo amin'ny tsirairay." 5 Nametraka hafatra teo am-bavan'i Balama i Yaveh ka niteny hoe: "Miverena any amin'i Balaka ka miresaha aminy." 6 Koa dia niverina tany amin'i Balaka i Balama, izay nitsangana teo akaikin'ny fanatitra dorany, ary ny mpitarika an'i Moaba rehetra dia niaraka taminy. 7 Dia nanomboka nilaza ny faminaniany i Balama ka niteny hoe: "Efa nitondra ahy avy any amin'i Arama, mpanjakan'i Moaba avy any amin'ny tendrombohitra atsinanana i Balaka. 'Avia, ozony ho ahy Jakoba,' hoy izy. 'Avia, mihantsia an'Israely.' 8 Amin'ny fomba ahoana no hanozonako ireo izay tsy mbola nozonin'Andriamanitra? Amin'ny fomba ahoana no hanoherako ireo izay tsy notoherin'i Yaveh? 9 Avy eo an-tampon'ny vatolampy no ahitako Azy; avy eny amin'ny havoana no hijereko Azy. Indro, misy vahoaka izay mitoetra irery ary tsy mihevitra ny tenany ho firenena tsotra. 10 Iza no afaka manisa ny vovok'i Jakoba na manisa na dia ny ampahefatr'Israely aza? Aoka ho faty amin'ny fahafatesan'ny olo-marina aho, ary aoka ny fahataperan'ny aiko ho tahaka ny azy!" 11 Hoy Balaka tamin'i Balama: "Inona ity nataonao tamiko? Nentiko hanozona ny fahavaloko ianao, nefa indro, notahianao izy ireo." 12 Namaly i Balama ka niteny hoe: "Tsy tokony hitandrina ny hilaza izay apetrak'i Yaveh eo am-bavako ihany ve aho?" 13 Koa hoy Balaka taminy: "Mba miaraha amiko ho any an-toeran-kafa izay hahafahanao mahita azy ireo. Ho hitanao ny akaiky indrindra amin'ireo, fa tsy izy rehetra. Any no hanozonanao azy ireo ho ahy." 14 Koa dia nentiny tao amin'ny sahan'i Zofima i Balama, teo an-tampon'ny Tendrombohitr'i Pisga, ary nanorina alitara fito hafa izy. Nanolotra ombilahy iray sy ondry iray teo amin'ny alitara tsirairay izy. 15 Avy eo dia hoy Balama tamin'i Balaka: "Mijoroa eto akaikin'ny fanatitra doranao eto, raha mbola mihaona amin'i Yaveh eny ambony eny aho." 16 Koa dia nihaona tamin'i Balama i Yaveh ary nametraka hafatra teo am-bavany. Hoy Izy hoe: "Miverena any amin'i Balaka ary halefao aminy ny hafatro." 17 Niverina tany aminy i Balama, ary indro, nitsangana teo akaikin'ny fanatitra dorany izy, ary niaraka taminy ireo mpitarik'i Moaba. Dia hoy Balaka taminy: "Inona no nolazain'i Yaveh?" 18 Natombok'i Balama ny faminaniany. Hoy izy hoe: "Mitsangàna, ry Balaka, ary mandrenesa. Mihainoa ahy, ianao ry zanak'i Zipora. 19 Tsy olona Andriamanitra, ka hoe handainga, na olombeloana, ka hoe hiova hevitra. Efa nampanantena zavatra ka tsy nanao izany ve Izy? Efa niteny ve Izy fa hanao zavatra ka tsy notanterahiny izany? 20 Indro, efa nodidiana aho mba hitahy. Efa nanome fitahiana Andriamanitra, ary tsy afaka hamadika izany aho. 21 Tsy nahita ady sarotra tao amin'i Jakoba na fahoriana tao amin'Israely Izy. Momba azy ireo Yaveh Andriamanitr'izy ireo, ary eo amin'izy ireo ny hiakiaka ho an'ny mpanjakany. 22 Andriamanitra no nitondra azy ireo avy tany Egypta tamin'ny hery tahaka ny an'ny ombidia. 23 Tsy misy mosavy izay mihatra amin'i Jakoba, ary tsy misy zara-vintana hanisy ratsy an'Israely. Fa kosa, aoka ho lazaina ny amin'i Jakoba sy Israely hoe: "Jereo izay nataon'Andriamanitra!" 24 Indro, mitsangana tahaka ny liom-bavy ny olona, tahaka ny fivoahan'ny liona ka mamely. Tsy mandrimandry izy raha tsy efa mihinana ny hazany ary misotro ny ràn'izay novonoiny." 25 Dia hoy Balaka tamin'i Balama: "Aza manozona azy ireo na mitahy azy ireo akory." 26 Fa namaly Balama ka niteny tamin'i Balaka hoe: "Tsy efa nilaza taminao ve aho fa tsy maintsy milaza izay rehetra asain'i Yaveh lazaiko?" 27 Koa dia namaly an'i Balama i Balaka hoe: "Avia ary, hoentiko any amin'ny toeran-kafa ianao. Angamba mety hahafaly an'Andriamanitra ny hanozonanao azy ireo ho ahy any." 28 Koa nentin'i Balaka teny amin'ny tampon'ny Tendrombohitra Peora, izay mahatazana ny tany efitra i Balama. 29 Hoy Balama tamin'i Balaka: "Manorena alitara fito eto ary manomàna ombilahy fito sy ondry fito." 30 Koa dia nanao araka izay nolazain'i Balama i Balaka; nanolotra ombilahy iray sy ondry iray teo amin'ny alitara tsirairay izy.
Io dia mpanjakan'i Moaba. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:2.
"mamonoa ombilahy fito sy ondry fito ho sorona"
"Mijanòna eto miaraka amin'ny fanatitra doranao ary handeha lavitra aho"
Nambara izany fa nanome ireo biby ireo ho fanatitra dorana izy. DH: "Efa namono ombilahy iray sy ondry ary nandoro ireo ho fanatitra aho"
Eto ny fanomezan'i Yaveh hafatra an'i Balama dia resahina toy ny hoe nametraka izany teo am-bavany i Yaveh. DH: "Nolazain'i Yaveh an'i Balama izay tiany holazain'i Balaka"
Ireo andianteny ireo dia midika zavatra iray ihany.
Ireo fehezanteny roa ireo dia samy midika zavatra iray ihany. Manindry ireo fa tian'i Balaka hanozona ny vahoakan'Israely i Balama.
Io fanontaniana fampisainana io dia manindry ny fandavan'i Balama ny tsy hankatoa an'Andriamanitra. Afaka ambara amin'ny fehezanteny ireo. DH: "Nefa tsy afaka manozona ireo izay tsy nozonin'Andriamanitra aho. Tsy afaka ny hiady amin'ireo izay tsy iadian'i Yaveh aho!"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Nahita ny Israely avy eo an-tampon'ny havoana i Balama.
Eto ny hoe "azy" dia sarinteny izay manondro ny vahoakan'Israely.
"misy vondron'olona"
Io fehezanteny mihiba io dia nampiasaina mba hanindry fa ny mifanohitra amin'izany no marina. DH: "mihevi-tena ho firenena miavaka izy ireo"
Eto ny hoe "vovok'i Jakoba'' dia sarinteny izay miresaka ny isan'ireo Israelita toy ny hoe betsaka tahaka ny vovoka izy ireo. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Maro loatra ireo Israelita raha isaina. Tsy misy mahavita manisa na dia ny ampahefatr'izy ireo ihany aza satria maro loatra izy ireo."
Takatra fa ho fahafatesana am-piadanana izany. Afaka ambara izany. DH: "ny fahafatesan'ny olo-marina am-piadanana"
Ireo dia sarinteny izay manondro ny vahoakan'Israely ho olona iray.
Io dia mpanjakan'i Moaba. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:2.
Mampiasa io fanontaniana io mba hibedesana an'i Balama i Balaka. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy mino aho hoe nanao izao tamiko ianao!"
Io dia manindry ny fahatairana izay manaraka eo.
Mampiasa io fanontaniana io mba hiarovana izay nataony i Balama. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Tsy maintsy mitandrina ny hilaza izay nolazain'i Yaveh ho lazaiko ihany aho."
Ny hafatra dia resahina toy ny hoe zavatra izay nataon'Andriamanitra tao am-bavany. Jereo ny nandikanao ny andianteny mitovy amin'izany ao amin'ny 22:38. DH: "mba hilaza izay tian'i Yaveh ho lazaiko ihany"
"Any no hanozonanao ny Israelita ho ahy"
Ireo mpandika teny dia mety manampy fanamarihana izay milaza hoe: "Ny teny hoe 'Zofima' dia midika hoe 'mijery' na 'mitsikilo'.''
Io dia anaran-tendrombohitra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 21:19.
Ny hafatra dia resahina toy ny hoe zavatra izay nataon'Andriamanitra tao am-bavany. Jereo ny nandikanao ny andianteny mitovy amin'izany ao amin'ny 22:38. DH: "nilaza taminy izay holazaina"
"Dia hoy i Yaveh"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary naverina mba hanindriana fa tena manan-danja ho an'i Balaka ny hihaino izany.
Io dia manondro an'i Balaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:2.
Ireo fanontaniana ireo dia samy midika zavatra iray ihany ary manindry fa hanao izay lazainy hataony Andriamanitra. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "tsy mbola nampanantena zavatra ka tsy nahatanteraka izany Izy. Efa nanao izay efa nolazainy hatao tokoa Izy."
DH: "Efa nandidy ahy mba hitahy ireo Israelita Andriamanitra"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Ireo mety ho heviny dia 1) zava-tsoa ihany no nomen'Andriamanitra ny Israely na 2) tsy misy fahotana eo amin'ny Israely ka mahatonga Azy hitsara azy ireo.
"nihiaka tamim-pifaliana izy ireo satria Yaveh no mpanjakan'izy ireo"
Io fampitahana io dia milaza fa ny herin'i Yaveh lehibe dia mitovy amin'ny an'ny omby.
Ireo andalana roa ireo dia midika zavatra iray ihany, fa tsy misy mosavy izay afaka ataon'ny olona ka handaitra amin'ny firenen'Israely. Eto "Jakoba" dia sarinteny izay manondro ny Israely.
"tsy maintsy lazain'ny olona"
Midika izany fa tsara izay nataon'Andriamanitra ho azy. DH: "Jereo ireo zava-tsoa izay efa nataon'Andriamanitra ho azy ireo!"
Io andininy io dia sarinteny lava izay miresaka ny fandresen'Israely ireo fahavalony toy ny hoe liona mandevona ny hazany ny Israely.
Io dia anaran'ny mpanjakan'i Moaba. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:2.
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Balama mba hampahatsiahivana an'i Balaka fa nandà ny tsy hankatoa an'Andriamanitra i Balama na dia talohan'ny nahatongavany teo amin'i Balaka aza. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Nolazaiko anao teo aloha fa tsy maintsy milaza izay rehetra lazain'i Yaveh ahy holazaiko aho."
Mazava fa io ilay efitra izay nitobian'ny Israely. DH: "izay mahatazana ny efitra izay nisy ny Israely"
1 Ary rehefa hitan'i Balama fa sitrak'i Yaveh ny hitahiana an'Israely, dia tsy nandeha nanao sikidy, tahaka ny tamin'ny andro taloha izy. Fa kosa nijery nankany amin'ny tany efitra. 2 Nanandratra ny masony izy ka nahita fa nitoby isaky ny fokony avy ny Israely, ary dia tonga tao aminy ny Fanahin'Andriamanitra. 3 Naharay izao faminaniana izao izy ary nanao hoe: "Efa hiteny i Balama zanaka lahin'i Beora, ilay lehilahy izay midiridiry maso. 4 Miteny sy mandre ny tenin'Andriamanitra izy. Mahita fahitana avy amin'ilay Tsitoha izy, izay eo anoloany no hiankohofany amin'ny masony mihiratra. 5 Endrey ny hakanton'ny lainao, ry Jakoba, ny toerana izay itoeranao, ry Israely! 6 Tahaka ny lohasaha no fielezan'ireo, tahaka ny saha eny amoron'ny renirano, tahaka ny vahona izay nambolen'i Yaveh, tahaka ny sedera amoron-drano. 7 Mikoriana avy ao an-tsinin'izy ireo ny rano, ary ireo voa nafafiny dia tsara tondraka. Ny mpanjakan'izy ireo dia ho avo noho i Agaga, ary ny fanjakan'izy ireo dia homen-kaja. 8 Andriamanitra no mitondra azy mivoaka an'i Egypta, amin'ny tanjaka tahaka ny ombidia. Hitelina ireo firenena izay manohitra azy ireo Izy. Hanorotoro ny taolan'izy ireo Izy. Hitifitra azy ireo amin'ny tsipìkany Izy. 9 Mamitsaka tahaka ny liona Izy, tahaka ny liona vavy. Iza no ho sahy hanelingelina Azy? Izay mitahy azy dia voatahy; izay manozona azy dia voaozona." 10 Nirehitra tamin'i Balama ny hatezeran'i Balaka ary namokona ny tanany tamim-pahatezerana izy. Hoy Balaka tamin'i Balama: "Miantso anao mba hanozona ny fahavaloko aho, fa indro, efa intelo nitahy azy ireo ianao. 11 Koa ilaozy aho ankehitriny ka modia. Niteny ny hanome valisoa lehibe anao aho, kanefa Yaveh efa nanala anao tamin'ny fahazoana valisoa." 12 Ary hoy Balama namaly an'i Balaka hoe: "Nolazaiko tamin'ireo mpitondra hafatra izay nalefanao taty amiko fa: 13 'Na dia nanome ny lapany feno volafotsy sy volamena ahy aza i Balaka, dia tsy afaka hihoatra ny tenin'i Yaveh sy ny zavatra ratsy na tsara, na ny zavatra tiako hatao aho. Izay nolazain'i Yaveh ahy ihany no azoko lazaina.' Tsy nolazaiko tamin'izy ireo ve izany? 14 Koa indro ankehitriny, hiverina any amin'ny vahoakako aho. Kanefa mamelà ahy ianao hampitandrina anao izay hataon'ireo vahoaka ireo amin'ny vahoakanao amin'ny andro ho avy." 15 Nanomboka izao faminaniana izao i Balama. Hoy izy hoe: "Balama zanak'i Beora no miteny, ilay lehilahy izay mahiratra. 16 Izao no faminanian'ilay olona izay mahare teny avy amin'Andriamanitra, izay manana fahalalana avy amin'ilay Avo Indrindra, izay manana fahitana avy amin'ilay Tsitoha, izay eo anoloany no iankohofany amin'ny fahiratana. 17 Mahita Azy aho, fa tsy eto Izy izao. Mijery Azy aho, fa tsy eto akaiky Izy. Hisy kintana hivoaka avy amin'i Jakoba, ary tehim-panjakana hisandratra avy amin'Israely. Hanorotoro ny mpitarik'i Moaba izy ary hamotika ny taranak'i Seta rehetra. 18 Ary dia ho lasa fananan'i Israely i Edoma, ary Seira ihany koa dia ho lasa fananan'izy ireo, ireo fahavalon'Israely, izay ho resen'i Israely amin-kery. 19 Avy amin'i Jakoba no hiavian'ny mpanjaka izay hanana ny fanapahana, ary hamotika ireo sisa tsy maty ao amin'ny tanànan'izy ireo Izy." 20 Dia nijery an'i Amaleka i Balama ary nanomboka ny faminaniany. Hoy izy hoe: "Amaleka dia efa lehibe indrindra teo amin'ireo firenena taloha, kanefa dia ho fahapotehana no ho fiafarany." 21 Avy eo dia nijery tany amin'ireo Kenita i Balama ary nanomboka ny faminaniany. Hoy izy hoe: "Ny toerana izay ipetrahanareo dia mahery, ary ny akaninareo dia ao amin'ny harambato. 22 Na dia izany aza anefa dia ho potika i Kaina rehefa mitondra anao ho babo i Asyria." 23 Ary nanomboka ny faminaniany farany i Balama. Hoy izy hoe: "Loza! Iza no ho velona rehefa hanao izany Andriamanitra? 24 Hisy sambo ho tonga avy any amin'ny sisin'i Kitima; hanafika an'i Asyria sy handresy an'i Ebera izy ireo, kanefa, dia ho fahapotehana ihany koa no hiafaran'izy ireo." 25 Avy eo dia niakatra i Balama ary lasa. Nody tany an-tranony izy, ary lasa ihany koa i Balaka.
"tahaka ny nataony tamin'ireo fotoana teo aloha"
Eto ny hoe "nanandratra ny masony" dia fomba fiteny izay midika hoe mijery ambony. DH: "Nijery ambony izy"
Midika izany fa nifehy azy mba haminany ny Fanahin'Andriamanitra.
DH: "Nomen'Andriamanitra azy izao faminaniana izao"
Beora no rain'i Balama. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:5.
Io dia fomba fiteny izay midika hoe mahita sy mahatakatra mazava izy.
Manohy maminany eo ambany fifehezan'ny Fanahin'Andriamanitra i Balama.
Eto Balama dia manondro ny tenany amin'ny hoe "izy".
Io dia fihetsika fanetre-tena.
Eto ny "maso mihiratra" dia fomba fiteny izay midika hoe efa nahazo fahafahana mba hahafantatra izay tian'Andriamanitra tenenina i Balama.
Ireo fanambarana roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Ireo dia manindry fa tsara amin'i Balama ny tobin'ny Israelita.
Manohy maminany eo ambany fifehezan'ny Fanahin'Andriamanitra i Balama.
Ireo Israelita dia resahin'i Balama toy ny hoe maro be izy ireo ka mandrakotra ny lohasaha manontolo.
Ireo Israelita dia resahin'i Balama toy ny hoe saha voatondraka tsara izay mamokatra vokatra betsaka izy ireo.
Ny vahona dia zava-maniry tsara fofona izay maniry tsara na dia amin'ny tany maina aza. Ireo Israelita dia resahin'i Balama toy ny hoe miroborobo ka ho lasa mahafinaritra tahaka ny vahona izy ireo. DH: "vahona izay i Yaveh no namboly azy"
Ny hazo sedera dia hazo lava indrindra any Israely. Ireo Israelita dia resahin'i Balama toy ny hoe maniry lava tahaka ny hazo sedera voatondraka tsara izy ireo.
Manohy maminany eo ambany fifehezan'ny Fanahin'Andriamanitra i Balama.
Ny rano betsaka dia mifandraika amin'ny fitahian'Andriamanitra ny vokatry ny tany. DH: "Hitahy ny Israely amin'ny rano betsaka ho an'ny vokatr'izy ireo Andriamanitra"
Ny hoe tsara tondraka dia manondro ny fitahian'Andriamanitra ny vahoakany mba hanana vokatra betsaka izy ireo. DH: "hanana rano betsaka ho an'ny voan'izy ireo mba hampaniry tsara ny vokatra izy ireo"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra iray ihany, ary manindry ny habetsaky ny hitahian'Andriamanitra azy ireo raha oharina amin'ireo firenena hafa.
Eto ny hoe "avo" dia manondro ny voninahitra sy fahefana lehibe. Midika izany fa hanana voninahitra kokoa ary hahery kokoa noho i Agaga ny mpanjakan'Israely hoavy. Agaga dia mpanjakan'ireo Amalekita.
DH: "hanome voninahitra ny fanjakan'izy ireo ny vahoaka hafa"
Manohy maminany eo ambany fifehezan'ny Fanahin'Andriamanitra i Balama.
"Andriamanitra no mitondra ireo Israelita"
Io fampitahana io dia manindry fa manana hery be ireo Israelita.
Ireo Israelita dia resahin'i Balama toy ny hoe bibidia izay mihinana ny fahavalon'izy ireo. Midika izany fa handringana ireo fahavalony izy ireo.
Mamarana ny faminaniana teo ambany fifehezan'ny Fanahin'Andriamanitra i Balama.
Amin'ity fampitahana ity, dia mampitaha ireo Israelita amin'ny liona lahy sy vavy i Balama. Midika izany fa mampidi-doza izy ireo ary vonona hanafika mandrakariva.
Mampiasa io fanontaniana io i Balama mba hampitandremana ny vahoaka rehetra tsy hiantsy ireo Israelita. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Tsy misy sahy manelingelina azy!"
DH: "Enga anie hitahy ireo izay mitahy ny Israelita Andriamanitra; enga anie hanozona ireo izay manozona ny Israelita Izy"
Ny fitombon'ny hatezeran'i Balaka dia resahina toy ny hoe afo manomboka mandoro izany. DH: "Nanjary tezitra mafy Balaka"
Izany dia mariky ny korontana sy hatezerana lehibe.
Manoritsoritra ny zavatra izay tsy hitranga mihitsy i Balama. Io fehezanteny io dia manindry fa tsy misy na inona na inona izay mety hahatonga an'i Balama tsy hankatoa an'Andriamanitra.
Mampiasa io fanontaniana io i Balama mba hampahatsiahivana an'i Balaka izay nolazainy teo aloha. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Nolazaiko anao izany."
"ireo Israelita"
Beora dia rain'i Balama. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:5.
Io fomba fiteny io dia midika hoe mahita sy mahatakatra mazava izy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 24:2.
Ny teny hoe "fahalalana" dia afaka ambara amin'ny asa. DH: "izay mahalala ireo zavatra izay nambaran'Andriamanitra Avo Indrindra taminy"
Io dia famantarana ny fanekena an'Andriamanitra.
Manohy ny voalohany amin'ny faminaniany efatra i Balama.
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Nahazo fahitana ny tranga hoavy i Balama. Ny teny hoe "izy" dia manondro ny mpitarik'Israely hoavy.
Eto ny hoe "kintana'' dia manondro ny mpanjakan'Israelita izay hisandratra amin'ny hery.
Eto "Jakoba" dia manondro ireo taranak'i Jakoba. DH: "avy amin'ireo taranak'i Jakoba"
Io dia midika zavatra mitovy amin'ilay tapany voalohan'ny fehezanteny teo ihany. Eto ny hoe "tehim-panjakana" dia manondro mpanjaka mahery iray.
Eto "Israely" dia manondro ireo Israelita hoavy. DH: "avy amin'ireo Israelita amin'ny hoavy"
Ireo mety ho heviny dia 1) hamotika ny lohan'ireo mpitarik'i Moaba izy na 2) handringana ireo mpitarik'i Moaba izy.
Io ihany koa dia manondro ireo Moabita, izay taranak'i Seta.
Mamarana ny voalohany amin'ireo faminaniany i Balama.
DH: "Hibodo an'i Edoma ireo Israelita" (UDB)
Eto ny hoe "Seira" dia manondro ny vahoaka izay nipetraka akaikin'ny Tendrombohitr'i Seira. DH: "Hambabo ny vahoakan'i Seira ihany koa ny Israely"
Jakoba no razamben'ireo Israelita. "Jakoba" dia sarinteny izay manondro ny vondron'olona manontolo.
Io dia manondro ny tanànan'i Ara izay nihaonan'i Balaka sy Balama.
Eto "Amaleka" dia sarinteny izay manondro ny vahoakan'i Amaleka. Ity dia manohy ny fahitan'i Balama raha nitodika nijery tany amin'ny firenen'ny Amaleka, ary avy eo naminany momba ireo Amalekita izy.
Io dia nampiasaina satria ireo Amalekita dia resahina toy ny olona iray ihany.
Io dia anarana vondron'olona izay taranak'i Kaina.
"Voaaro tsara ny toerana izay nipetrahanareo"
Io dia sarinteny izay midika fa mipetraka amin'ny toerana azo antoka izy ireo. DH: "ny toeranareo dia azo antoka tahaka ny akany avo eny amin'ireo vatolampy"
Kaina dia iray amin'ireo tanàn-dehibe izay nipetrahan'ireo Kenita. DH: "Na dia handringana ireo Kenita sy haka azy ireo ho babo aza ireo Asyriana"
Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy misy na iza na iza ho velona rehefa manao izany Andriamanitra!"
Io dia anaran-tanàna any amin'ny nosy any amin'ny Ranomasina Mediteraneana.
Ny anarana hoe "fahapotehana" dia afaka ambara amin'ny asa. DH: "Handrava azy ireo ihany koa Andriamanitra"
1 Nitoetra tany Sitima ny Israely, ary nanomboka nijangajanga tamin'ireo vehivavin'i Moaba ireo lehilahy, 2 fa ireo Moabita nanasa ny vahoaka ho amin'ny sorona ho an'ireo andriamanitr'izy ireo. Ka dia nihinana sy niankohoka tamin'ireo andriamanitry ny Moabita ny vahoaka. 3 Nanatevin-daharana tamin'ny fanompoana an'i Bala Peora ireo lehilahin'Israely, ka nirehitra tamin'Israely ny hatezeran'i Yaveh. 4 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Vonoy avokoa ireo mpitariky ny vahoaka ka ahantòny eo anatrehako izy ireo mba hampiharihariana azy ireo amin'ny andro, izany dia mba hiala amin'Israely ny firehitry ny hatezerako." 5 Koa dia hoy Mosesy tamin'ireo mpitariky ny Israely hoe: "Ny tsirairay aminareo dia tsy maintsy hamono ny olony izay nanatevin-daharana tamin'ny fanompoana an'i Bala Peora." 6 Avy eo dia nanatona ny iray tamin'ireo lehilahin'Israely ka nitondra vehivavy Midianita iray tamin'ny fianakaviany. Niseho teo imason'i Mosesy sy ny fivondronan'ny vahoakan'Israely rehetra izany, raha mbola nitomany teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana izy ireo. 7 Nony hitan'i Finehasa zanaka lahin'i Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona izany, dia nitsangana avy teo amin'ny fivondronana izy ary nandray lefona teny an-tanany. 8 Nanaraka ireo lehilahy Israelita tao anaty trano-lay izy ka nanatsatoka ny lefona tamin'ny vatan'izy roa ireo, na ilay lehilahy Israelita na ilay vehivavy. Koa dia nitsahatra ny areti-mandringana izay nalefan'Andriamanitra tamin'ny vahoakan'Israely. 9 Niisa efatra arivo sy roa alina ireo matin'ny areti-mandringana. 10 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe: 11 "I Finehasa zanaka lahin'i Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona, efa nanaisotra ny fahatezerako tamin'ny vahoakan'Israely satria liana tamin'ny zotom-poko tamin'izy ireo izy. Koa dia tsy nitelina ny vahoakan'Israely tamin'ny fahasiahako Aho. 12 Noho izany lazao hoe: 'Yaveh miteny hoe: "Indro, manome fanekem-pihavanana an'i Finehasa Aho. 13 Ho azy sy ny taranany mandimby azy, ho fifanekem-pisoronana tsy manam-pahataperana izany satria nanana zotom-po ho Ahy, Andriamaniny izy. Efa nanonitra ho an'ny vahoakan'Israely izy."'" 14 Ny anaran'ilay lehilahy Israelita izay novonoina niaraka tamin'ilay vehivavy Midianita dia Zimry zanak'i Salo, mpitariky ny fianakavian-drazana tamin'ireo Simeonita. 15 Ny anaran'ilay vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby zanak'i Zora, izay loholon'ny foko sy fianakaviana tany Midiana. 16 Ka dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ary nanao hoe: 17 "Raiso tahaka ny fahavalo ny Midianita ka tafiho izy reo, 18 satria izy ireo nandray anareo toy ny fahavalo tamin'ny fitak'izy ireo. Nitarika anareo tamin'ny ratsy izy ireo ny momban'i Peora sy ny momban'i Kosby anabavin'izy ireo, ilay zanaky ny mpitarika tany Midiana, izay novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana tamin'ny raharahan'i Peora."
Io dia anaran-toerana any Moaba.
Io dia fihetsika fanompoana.
Peora dia anaran-tendrombohitra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:28.
Ny fitombon'ny hatezeran'i Yaveh dia resahina toy ny hoe afo nanomboka nandoro. Jereo ny nandikanao ny andianteny mitovy amin'izany ihany ao amin'ny 21:19. DH: "Nanjary tezitra mafy Yaveh"
Midika izany fa io dia manondro ireo mpitarika izay meloka noho ny fanompoan-tsampy. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka ambara mazava. DH: "ireo mpitariky ny vahoaka rehetra izay meloka noho ny fanompoan-tsampy"
Midika izany fa hamono ireo vahoaka ireo ary hamela ny fatin'izy ireo any ivelany izay ahafahan'ny olona mahita izany ireo mpitarik'Israely.
"tamin'ireo mpitarika izay tsy meloka noho ny fanompoan-tsampy"
Peora dia anaran-tendrombohitra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:28.
Midika izany fa nitondra azy teo amin'ny toby mba hiray aminy izy. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "nitondra vehivavy Midianita iray tao amin'ny tobin'ny Israelita mba hiara-mandry aminy"
Eto ny hoe "imaso" dia fomba fiteny izay midika fa nandre ny momba izany izy ireo, na nahalala ny momba izany.
Io dia anaran'ny zanaka lahin'i Arona. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 3:1.
"Nanaraka Finehasa"
Ny hatezeran'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka ailika ara-batana mba hanatsaharana izany. DH: "nahatonga Ahy tsy ho tezitra amin'ny vahoakan'Israely intsony"
Andriamanitra dia resahina toy ny hoe biby masiaka izay afaka mitelina ny vahoakan'Israely. DH: "Efa nandringana ny vahoakan'Israely tamin'ny hatezerako lehibe Aho"
Ity dia manohy ny tenin'i Yaveh tao amin'ny andinininy teo aloha. DH: "Noho izany dia lazao amin'i Finehasa fa hanome azy Aho...ny vahoakan'Israely."
Io dia fiovana miala amin'ny fizotry ny tantara ho amin'ny fampahafantarana ankapobeny momba an'i Zimry sy Kosby.
DH: "izay novonoin'i Finehasa"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia anaram-behivavy.
Ny anarana hoe ''fitaka" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "tamin'ny namitahana anao"
"Nandresy lahatra anareo mba hanao izao zavatra izao izy ireo"
Ireo andianteny roa ireo dia samy midika fa nitranga tao amin'ny Tendrombohitr'i Peora ireo zavatra ireo.
Peora dia anaran-tendrombohitra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:28.
DH: "izay novonoin'i Finehasa"
1 Ary taorian'ny areti-mandringana izay nolazain'i Yaveh an'i Mosesy sy Eleazara zanak'i Arona mpisorona. Hoy Izy hoe: 2 "Isao ny fivondronan'ny vahoakan'Israely rehetra, hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny ankohonan'ny razambeny, ireo rehetra izay afaka andeha hiady ho an'ny Israely." 3 Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona nilaza tamin'izy ireo tao amin'ny tany lemak'i Moaba teo amoron'i Jordana tao Jeriko nanao hoe: 4 "Isao ny vahoaka, hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy sy ny vahoakan'Israely, izay nivoaka ny tany Egypta. 5 Robena no lahimatoan'Israely. Avy tamin'i Hanoka zanany ny fokon'ny Hanokita. Avy tamin'i Palo ny fokon'ny Paloita. 6 Avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita. Avy tamin'i Karmy ny fokon'ny Karmita. 7 Ireo no fokon'ny taranak'i Rebonita, izay miisa 43. 730 lahy. 8 Zanak'i Palo i Eliaba. 9 Ary ny zanak'i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abirama. Ireo ihany ilay Datana sy Abirama izay nanaraka an'i Kora rehefa nanohitra an'i Mosesy sy Arona ary nikomy an'i Yaveh. 10 Nanokatra ny vavany ny tany ary nitelina azy ireo niaraka tamin'i Kora rehefa maty daholo ny mpanaraka azy. Tamin'izany fotoana izany, ny afo nandevona 250 lahy, izay lasa famantarana fampitandremana. 11 Saingy tsy lany tamingana ny taranak'i Kora. 12 Ny fokon'ny taranak'i Simeona dia ireto avy: avy tamin'i Nemoela, ny fokon'ny Nemoelita, avy tamin'i Jamina, ny fokon'ny Jaminita, avy tamin'i Jakina, ny fokon'ny Jakinita, 13 avy tamin'i Zera, ny fokon'ny Zerita, avy tamin'i Saoly, ny fokon'ny Saolita. 14 Ireo no fokon'ny taranak'i Simeonita, izay miisa 22. 200 lahy. 15 Ny fokon'ny taranak'i Gada dia ireto avy: avy tamin'i Zefona, ny fokon'ny Zefonita, avy tamin'i Hagy, ny fokon'ny Hagita, avy tamin'i Sony, ny fokon'ny Sonita, 16 avy tamin'i Ozny, ny fokon'ny Oznita, avy tamin'i Era, ny fokon'ny Erita, 17 avy tamin'i Aroda, ny fokon'ny Arodita, avy tamin'i Arely, ny fokon'ny Arelita. 18 Ireo no fokon'ny taranak'i Gada, izay miisa 40. 500 lahy. 19 Era sy Onana no zanak'i Joda, nefa maty tao amin'ny tany Kanana ireo lehilahy ireo. 20 Ny fokon'ny taranak'i Joda hafa dia ireto avy: avy tamin'i Sela, ny fokon'ny Selita, avy tamin'i Fareza, ny fokon'ny Farezita, avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita. 21 Ny taranak'i Fareza dia ireo avy: avy tamin'i Hezrona, ny fokon'ny Hezronita, avy tamin'i Hamola ny fokon'ny Hamolita. 22 Ireo no fokon'ny taranak'i Joda, izay miisa 76. 500 lahy. 23 Ny fokon'ny taranak'Isakara dia ireto avy: avy tamin'i Tola, ny fokon'ny Tolita, avy tamin'i Pova, ny fokon'ny Povita, 24 avy tamin'i Jasoba, ny fokon'ny Jasobita, avy tamin'i Simrona, ny fokon'ny Simronita. 25 Ireo no fokon'ny taranak'Isakara, izay miisa 64. 300 lahy. 26 Ny fokon'ny taranak'i Zebolona dia ireto avy: avy tamin'i Sereda, ny fokon'ny Seredita, avy tamin'i Elona, ny fokon'ny Elonita, avy tamin'i Jahalela, ny fokon'ny Jahalelita. 27 Ireo no fokon'ny Zebolonita, izay miisa 60. 500 lahy. 28 Ny fokon'ny taranak'i Josefa dia i Manase sy Efraima. 29 Ireo taranak'i Manase dia ireto avy: avy tamin'i Makira, ny fokon'ny Makirita (Makira no rain'i Gileada, avy tamin'i Gileada, ny fokon'ny Gileadita. 30 Ny taranak'i Gileada dia ireto avy: avy tamin'i Jezera, ny fokon'ny Jezerita, avy tamin'i Heleka, ny fokon'ny Helekita, 31 avy tamin'i Asriela, ny fokon'ny Asrielita, avy tamin'i Sekema, ny fokon'ny Sekemita, 32 avy tamin'i Semida, ny fokon'ny Semidita, avy tamin'i Hefera, ny fokon'ny Heferita. 33 Ary Zelofada zanak'i Hefera dia tsy nanan-janakalahy, fa zanaka vavy ihany. Ny anaran'ny zanaka vaviny dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza. 34 Ireo no fokon'i Manase, izay miisa 52. 700 lahy. 35 Ny fokon'ny taranak'i Efraima dia ireto avy: avy tamin'i Sotela, ny fokon'ny Sotelita, avy amin'i Bekera, ny fokon'ny Bekerita, avy tamin'i Tahana, ny fokon'ny Tahanita. 36 Ny taranak'i Sotela, dia avy amin'i Erana, ny fokon'ny Eranita. 37 Ireo no fokon'ny taranak'i Efraima, izay miisa 32. 500 lahy. Ireo no fokon'ny taranak'i Josefa, isaina ao amin'ny taranany tsirairay. 38 Ny fokon'ny taranak'i Benjamina dia ireto avy: avy tamin'i Bela, ny fokon'ny Belita, avy tamin'i Asibela, ny fokon'ny Asibelita, avy tamin'i Ahirama, ny fokon'ny Ahimarita, 39 avy tamin'i Sefofama, ny fokon'ny Sefofamita, avy tamin'i Hofama, ny fokon'ny Hofamita. 40 Ny zanaka lahin'i Bela dia i Arda sy Namana. Avy tamin'i Arda nahazoana ny fokon'ny Ardita, avy tamin'i Namana nahazoana ny fokon'ny Namanita. 41 Ireo no fokon'ny taranak'i Benjamina. Miisa 45. 600 lahy izy ireo. 42 Ny fokon'ny taranak'i Dana dia, avy tamin'i Sohama, ny fokon'ny Sohamita. Ireo no fokon'ny taranak'i Dana. 43 Ny fokon'i Sohamita manontolo dia miisa 64. 400 lahy. 44 Ny fokon'ny taranak'i Asera dia ireto avy: avy tamin'i Jimna, ny fokon'ny Jimnita, avy tamin'i Jisvy, ny fokon'ny Jisvita, avy tamin'i Bena, ny fokon'ny Berita. 45 Ny taranak'i Bena dia ireto avy: avy tamin'i Hebera, ny fokon'ny Heberita, avy tamin'i Malkiela, ny fokon'ny Malkielita. 46 Ny anaran'ny zanakavavin'i Asera dia Sera. 47 Ireo no fokon'ny taranak'i Asera, izay miisa 53. 400 lahy. 48 Ny fokon'ny taranak'i Naftaly dia ireto avy: avy tamin'i Jaziela, ny fokon'ny Jazielita, avy tamin'i Gony, ny fokon'ny Gonita, 49 avy tamin'i Jezera, ny fokon'ny Jezerita, avy tamin'i Silema, ny fokon'ny Silemita. 50 Ireo no fokon'ny taranak'i Naftaly, izay miisa 45. 400 lahy. 51 Ireo no isa fenon'ny lehilahy teo amin'ny vahoakan'Israely dia 601. 730. 52 Yaveh niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 53 "Ny tany dia tsy maintsy zaraina eo amin'ireo lehilahy tahaka ny lova iray araka ny isan'ny anarany avy. 54 Ny amin'ny foko lehibe dia tsy maintsy omenao lova betsaka, ary ny amin'ny foko kelikely dia tsy maintsy omenao lova kely. Ny amin'ny fianakaviana rehetra dia tsy maintsy omenao lova araka ny isan'ny lehilahy izay voaiisa. 55 Na izany aza, ny tany tsy maintsy sarahina amin'ny filokana kisendrasendra. Mandova ny tany izy ireo raha ho zarana eo amin'ny fokon'ny razambeny izany. 56 Ny lovany dia tsy maintsy mizara eo amin'ny foko lehibe sy kely, nozaraina azy ireo tamin'ny filokana kisendrasendra." 57 Ny fokon'i Levita, isaina foko isam-poko, dia ireto avy: avy tamin'i Gersona, ny fokon'ny Gersonita, avy tamin'i Kehata, ny fokon'ny Kehatita, avy amin'i Merary, ny fokon'ny Merarita. 58 Ny fokon'i Levy dia ireto avy: ny fokon'ny Libnita, ny fokon'ny Hebronita, ny fokon'ny Mahalita, ny fokon'ny Mosita, ny fokon'ny Koralta. Ary Kehata no razamben'i Amrama. 59 Ny anaran'ny vadin'i Amrama dia i Jokebeda, taranak'i Levy, izay nateraky ny Levita tany Egypta. Dia niteraka ireo zanany tamin'i Amrama izy, dia i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny. 60 Arona niteraka an'i Nadaba sy Abiho, Eleazara ary Itamara. 61 Maty i Nadaba sy Abiho rehefa nanolotra afo tsy azo ekena teo anoloanan'i Yaveh izy ireo. 62 Ny lahy izay nisaina teo amin'izy ireo dia miisa telo arivo sy roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin'iray volana no ho miakatra. Fa tsy voaisa teo amin'ny taranak'Israely izy ireo satria tsy nisy lova nomena azy ireo teo amin'ny vahoakan'Israely. 63 Ireo no zavatra izay voaisan'i Mosesy sy Eleazara mpisorona. Nanisa ny vahoakan'Israely tao amin'ny lemak'i Moaba teo amoron'i Jordana tao Jeriko izy ireo. 64 Nefa teo amin'izany dia tsy nisy olona avy tamin'izay voaisan'i Mosesy sy Arona mpisorona nanisa ny taranak'Israely tao an'efitr'i Sinay. 65 Satria Yaveh fa nilaza fa ho faty any an'efitra tokoa ireo olona rehetra ireo. Tsy nisy olona sisa tavela teo amin'izy ireo, afa-tsy Kaleba zanak'i Jefona sy Josoa zanak'i Nona.
Hanisa ireo lehilahy fotsiny ihany izy ireo, fa tsy ireo vehivavy. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "Isao avokoa ireo lehilahin'ny fivondronana rehetra"
"20 taona no ho mihoatra"
"nilaza tamin'ireo mpitarik'Israelita"
Ny lemaka dia faritry ny tany izay lehibe sy mahitsy.
"20 taona no ho mihoatra"
Manisa ireo lehilahy, 20 taona no ho miakatra, araka ny fokon'izy ireo sy ny fianakaviany ireo mpitarik'Israely.
Eto ''Israely'' dia manondro ny lehilahy fantatra amin'ny hoe Jakoba ihany koa.
Ny hoe "-ny" dia manondro an'i Robena.
Manisa ireo lehilahy, 20 taona no ho miakatra, araka ny fokon'izy ireo sy ny fianakaviany ireo mpitarik'Israely.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 16:1 ihany ireo anaran-dehilahy ireo.
Eto ny tany dia resahina toy ny hoe olona manokatra ny vavany ary mihinan-javatra. DH: "nahatonga ny tany hitresaka roa i Yaveh, ka latsaka tao amin'ny lavaka ireo lehilahy"
Eto ny afo dia resahina toy ny hoe biby lehibe mandevon-javatra. DH: "nahatonga ny afo izay namono lehilahy 250 i Yaveh"
"ny fianakavian'i Kora rehetra"
"tapitra"
Manisa ireo lehilahy, 20 taona no ho miakatra, araka ny fokon'izy ireo sy ny fianakaviany ireo mpitarik'Israely.
Manisa ireo lehilahy, 20 taona no ho miakatra, araka ny fokon'izy ireo sy ny fianakaviany ireo mpitarik'Israely.
Manisa ireo lehilahy, 20 taona no ho miakatra, araka ny fokon'izy ireo sy ny fianakaviany ireo mpitarik'Israely.
Manisa ireo lehilahy, 20 taona no ho miakatra, araka ny fokon'izy ireo sy ny fianakaviany ireo mpitarik'Israely.
Manisa ireo lehilahy, 20 taona no ho miakatra, araka ny fokon'izy ireo sy ny fianakaviany ireo mpitarik'Israely.
Manisa ireo lehilahy, 20 taona no ho miakatra, araka ny fokon'izy ireo sy ny fianakaviany ireo mpitarik'Israely.
Manisa ireo lehilahy, 20 taona no ho miakatra, araka ny fokon'izy ireo sy ny fianakaviany ireo mpitarik'Israely.
Manisa ireo lehilahy, 20 taona no ho miakatra, araka ny fokon'izy ireo sy ny fianakaviany ireo mpitarik'Israely.
Manisa ireo lehilahy, 20 taona no ho miakatra, araka ny fokon'izy ireo sy ny fianakaviany ireo mpitarik'Israely.
Ny teny hoe "ireo" dia manondro ireo lehilahy rehetra taranak'ireo zanak'i Josefa, Efraima ary Manase. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "Ireo no taranak'i Josefa, taranaka avy amin'ireo zanaka lahin'i Manase sy Efraima"
DH: "nanisa azy ireo tao amin'ny fokon'izy ireo tsirairay avy izy ireo"
Manisa ireo lehilahy, 20 taona no ho miakatra, araka ny fokon'izy ireo sy ny fianakaviany ireo mpitarik'Israely.
Manisa ireo lehilahy, 20 taona no ho miakatra, araka ny fokon'izy ireo sy ny fianakaviany ireo mpitarik'Israely.
Manisa ireo lehilahy, 20 taona no ho miakatra, araka ny fokon'izy ireo sy ny fianakaviany ireo mpitarik'Israely.
Manisa ireo lehilahy, 20 taona no ho miakatra, araka ny fokon'izy ireo sy ny fianakaviany ireo mpitarik'Israely.
"ny fitambaran'isa"
"telopolo sy fitonjato sy arivo sy enina hetsy"
DH: "Tsy maintsy zarainao ny tany"
Io dia manondro ireo lehilahy rehetra izay nisaina tao amin'ny fokon'izy ireo, nanomboka tao amin'ny 26:5.
"araka ny isan'ny olona isam-poko"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Amin'ity andalana ity, ny teny hoe "lova" dia manondro ny tany lovaina. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "omeo tany maro ho lova"
DH: "izay nisain'ireo mpitarik'Israely"
DH: "tsy maintsy zarainao ny tany"
"amin'ny antsapaka"
DH: "hizara izany ianao"
DH: "ary tsy maintsy mizara ny tany ho azy ireo ianao"
Ity no lisitry ny fokon'ny Levita. Manisa ireo Levita tsy miaraka amin'ireo foko hafa i Mosesy satria tsy nahazo tany izy ireo.
DH: "izay nisain'ireo mpitarika isam-poko ihany koa"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:17 ireo anaran-dehilahy ireo.
"Nanan-janaka izy sy Amrama"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:1 ireo anaran-dehilahy ireo.
Eto ny teny hoe "afo" dia nampiasaina mba hanondroana ny "fandorana ditin-kazo manitra." Jereo ny nandikanao ny andianteny mitovy amin'izany ao amin'ny 3:3. DH: "nandoro fanatitra ditin-kazo manitra ho an'i Yaveh tamin'ny fomba izay tsy nankasitrahany izy ireo"
DH: "izay nisain'ireo mpitarika"
"23.000"
"iray volana no ho mihoatra"
DH: "nefa tsy nanisa azy ireo ny mpitarika"
Eto ny hoe "lova" dia manondro ny tany lovaina. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "satria nilaza i Yaveh fa tsy hahazo tany ho lova izy ireo"
DH: "izay nisain'i Mosesy sy Eleazara mpisorona"
"tsy nisy lehilahy tao"
DH: "izay nisain'i Mosesy sy Eleazara mpisorona"
DH: "rehefa nanisa ireo taranak'Israely izy ireo"
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoaka rehetra izay nisaina tany an'efitr'i Sinay. DH: "Ny olona izay ho sisa velona dia" (UDB)
Jefone dia rain'i Kaleba. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 13:5.
Nona dia rain'i Josoa. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 11:28.
1 Dia tonga tamin'i Mosesy ny zanakavavin'i Zelofada zanaka lahin'i Hefera zanaka lahin'i Gileada zanaka lahin'i Makira zanaka lahin'i Manase, avy tamin'ny fianakaviam-ben'i Manase zanaka lahin'i Josefa. Ireto avy ny anaran'ireo zanany vavy: Mahala, Noa, Hogla, Milka, ary Tirza. 2 Nitsangana teo anatrehan'i Mosesy, Eleazara mpisorona, ny mpitarika, ary teo anoloan'ny fiaraha-monina rehetra teo amin'ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo. Hoy izy ireo: 3 "Maty tany an'efitra ny rainay. Tsy isan'ireo izay niray tetika tao amin'ny antokon'i Kora hanohitra an'i Yaveh izy. Matin'ny fahotany ihany izy, ary tsy nanan-janaka lahy. 4 Nahoana ny anaran'ny rainay no nesorina tamin'ny fikambanan'ny fianakaviambeny satria tsy nanan-janakalahy izy? Omeo tany eo amin'ny havan'ny rainay izahay." 5 Dia nentin'i Mosesy teo anoloan'i Yaveh ny raharahan'izy ireo. 6 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe: 7 "Marina ny tenin'ny zanakavavin'i Zelofada. Aoka hanome tany ho azy ireo tokoa ianao avy amin'ny lovan'ireo havan-drainy, ary aoka ho azonao antoka fa ny lovan'ny rain'izy ireo dia tafita amin'izy ireo tokoa. 8 Aoka hiteny amin'ny vahoakan'ny Israely ianao ka lazao hoe: 'Raha misy olona maty ka tsy manan-janaka lahy, dia aoka hafindranao amin'ny zanakavaviny ny lovany. 9 Raha tsy manan-janakavavy izy, dia homenao ireo rahalahiny ny lovany. 10 Raha tsy manana rahalahy izy, dia homenao ireo rahalahin-drainy ny lovany. 11 Raha tsy manana rahalahy ny rainy, dia homenao ny havany akaiky eo amin'ny fianakaviambe ny lovany, ary haka izany ho azy izy. Ho lalàna mafy haorina amin'ny didy ho an'ny vahoakan'ny Israely izany, araka izay efa nandidian'i Yaveh ahy.'" 12 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Miakara eny an-tendrombohitra Abarima ary jereo ny tany izay nomeko ny vahoakan'ny Israely. 13 Aorian'ny fahitanao izany, ianao, ihany koa, dia hangonina any amin'ny vahoakanao, tahaka an'i Arona rahalahinao. 14 Hitranga izany satria ianareo roa dia nikomy hanohitra ny didiko tany amin'ny efitr'i Sina. Any, rehefa mikoriana amin'ny vatolampy ny rano, amin'ny fahatezeranao no tsy nahavitanao nanome voninahitra Ahy ho masina teo imason'ny fivondronana manontolo." Ireo no ranon'i Meriban'i Kadesy any amin'ny efitr'i Sina. 15 Dia niresaka tamin'i Yaveh i Mosesy ary niteny hoe: 16 "Aoka ianao, ry Yaveh, Andriamanitry ny fanahin'olombelona rehetra, hanendry olona eo amin'ny fivondronana, 17 olona izay hivoaka sy hiditra eo amin'izy ireo ary hitarika azy ireo sy hitondra azy ireo, mba tsy ho toy ny ondry tsy misy mpiandry ny fivondronanao." 18 Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: "Alaivo Josoa zanak'i Nona, lehilahy izay hitoeran'ny Fanahiko, apetraho aminy ny tananao. 19 Apetraho eo anoloan'i Eleazara mpisorona sy eo anoloan'ny fivondronana rehetra izy, ary mandidia azy eo anoloan'ny mason'izy ireo mba hitarihana azy ireo. 20 Aoka ianao hametraka ny fahefanao sasany aminy, mba hankatoavan'ny fiarahamonin'ny Israely rehetra azy. 21 Handeha eo alohan'i Eleazara mpisorona mba hitady ny lahatro ho azy amin'ny fanapahan-kevitr'i Orima izy. Ho amin'ny didiny no handehanan'ny olona mivoaka sy miditra, dia izy sy ny vahoakan'ny Israely rehetra miaraka aminy, ny fivondronana manontolo." 22 Dia nataon'i Mosesy izay nandidian'i Yaveh hataony. Nalainy i Josoa ary napetrany eo anoloan'i Eleazara mpisorona sy ny fiaraha-monina manontolo izy. 23 Nametraka ny tanany taminy izy ary nandidy azy mba hitarika, araka izay efa nandidian'i Yaveh ho ataony.
"Dia tonga teo amin'i Mosesy ireo zanaka vavin'i Zelofada zanak'i Hefera zanak'i Gileada zanak'i Makira zanak'i Manase, avy amin'ny fokon'i Manase zanak'i Josefa." Manambara ny tetiaran'i Zefolada io.
Adikao tahaka ny fomba nanaovanao ireo anarana ireo ihany tao amin'ny 26:33 izany.
Adikao tahaka ny fomba nanaovanao ireo anarana ireo ihany tao amin'ny 26:28 izany.
"Nitsangana...ireo zanaka vavin'i Zelofada"
Niara-niangona sy nikomy tamin'Andriamanitra ny vahoaka tao amin'ny antokon'i Kora. Novonoin'i Yaveh, noho ny fahotany izy ireo. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "izay maty satria anisan'ireo mpanaraka an'i Kora izay nikomy tamin'i Yaveh izy ireo"
"noho ny fahotany ihany"
Tamin'izany fotoana izany, ireo zanaka lahy ihany no nahazo tany ho lova. Mampiasa io fanontaniana io ireo zanaka vavy mba hanolorana hevitra fa tokony hahazo lova izy ireo ary hitohy ny fokon'ny fianakaviany. Afaka soratana amin'ny fehezanteny izany. DH: "Tsy tokony halanao amin'ny fikambanan'ny fianakaviambeny ny anaran-drainay satria tsy nanan-janakalahy izy."
Midika izany fa mangataka ny handova tany akaikin'ny havan-drainy izay akaikin'ny nolovain'ireo izy ireo. Ny hevitr'izany dia afaka atao mazava. DH: "Omeo tany eo amin'izay hitoeran'ny havan-drainay izahay"
Midika izany fa handova tany eo amin'izay nolovain'ireo havan-drainy izy ireo. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "eo amin'izay hitoeran'ny havan-drainay "
Ity no manohy ny lalàn'Andriamanitra momba izay hahazo tany raha tsy manan-janaka lahy ny lehilahy iray.
DH: "lalàna izay tsy maintsy ankatoavin'ny vahoakan'Israely rehetra"
Eto ny hoe "ahy" dia manondro an'i Mosesy.
Io dia tendrombohitra mitandavana any Moaba.
Eto i Yaveh dia miresaka momba ny tany izay nomeny ny Israely toy ny hoe efa nanome izany ho azy ireo Izy. Miteny tahaka izany Izy mba hanindriana fa efa nanomana ny hanome izany ho azy ireo Izy. DH: "izay homeko ny vahoakan'Israely"
Io dia fanalefahan-teny izay midika fa ho faty i Mosesy ary handeha any amin'ny toerana izay misy ireo razambeny ny fanahiny. DH: "tsy maintsy ho faty ianao"
Afaka manazava ny fampahalalana izay efa fantatra ianao fa maty i Arona. DH: "tahaka an'i Arona zokinao lahy maty"
Io dia manondro an'i Mosesy sy Arona.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 13:21 io andianteny io.
Io dia manondro tranga iray izay nampikorianan'i Yaveh rano avy amin'ny vatolampy tamin'ny fahagagana. Niteny tamin'i Mosesy mba hiteny amin'ny vatolampy Andriamanitra. Saingy, nikapoka ny vatolampy kosa i Mosesy satria tezitra tamin'ny vahoaka izy.
"tsy nanao Ahy ho masina ianao"
Eto ny hoe "mason'ny fivondronana manontolo" dia manondro ny fivondronana mihitsy. Nosoratana tahaka izao izany mba hanindriana izay hitan'izy ireo. DH: "teo anatrehan'ny fivondronana manontolo"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 20:12 izany.
Ireo mety ho heviny dia 1) eto ny hoe "fanahy" dia manondro ny vahoaka rehetra. DH: "Andriamanitry ny olombelona rehetra" na 2) ny fanondroina hoe "fanahy" dia manondro an'Andriamanitra nanome aina sy fofon'aina ny olona rehetra. DH: "Andriamanitra izay manome fofon'aina ny olona rehetra" na "Andriamanitra izay manome aina ny olombelona rehetra"
Ny hoe "eo amin'ny" vondron'olona dia midika hoe manana fahefana hitarika azy ireo. DH: "lehilahy mba hitarika ny fivondronana"
Io dia fomba fiteny izay midika fa misy olona iray izay hitarika ny vahoaka rehetra ary hitarika ny tafika amin'ny ady ihany koa.
Io dia fampitahana izay midika fa raha tsy misy mpitarika dia hirenireny sy tsy hisy mpamonjy ny vahoaka.
Ny Fanahin'i Yaveh ao amin'i Josoa, dia midika fa mankatoa an'i Yaveh i Josoa ary manaraka ireo didiny.
Io dia famantarana ny fitokanan'ny olona iray ho amin'ny asa fanompoana an'Andriamanitra. DH: "apetraho aminy mba hanendrena azy ny tananao"
Eto ny hoe "mason'izy ireo" dia manondro ny vahoaka. Nosoratana tahaka izao izany mba hanindriana izay hitan'izy ireo. DH: "ary eo anatrehan'izy rehetra no handidianao an'i Josoa mba hitarika ny vahoakan'Israely"
Manohy miresaka amin'i Mosesy momba an'i Josoa i Yaveh.
Eto i Yaveh dia miresaka an'i Mosesy manome ny sasany amin'ny fahefany an'i Josoa toy ny hoe kojakojan-damba izay apetaky ny olona aminy izany. DH: "Tokony hanome ny sasany amin'ny fahefanao ho azy ianao" na "Aoka izy hanapa-kevitra ny amin'izay tokony ataon'ny olona"
Io dia vato masina izay anaovan'ny Mpisorombe eo amin'ny tratrany. Nampiasa izany izy mba hamaritana ny sitra-pon'Andriamanitra.
Midika izany fa hanana fahefana mba handidy ny fandehanan'ny fivondronan'Israely i Josoa. Ny "Mivoaka" sy "miditra" dia didy roa mifanohitra nampiasaina mba hanindriana fa hanana ny fahefana feno handidy ny fihetsik'izy ireo izy. DH: "Handidy ireo fihetsiky ny fivondronana izy"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany, ary nampiasaina miaraka mba hanindriana. DH: "izy sy ny firenen'Israely manontolo"
"ary nilaza taminy mba hijoro teo anatrehan'ny"
Ny "izy" dia manondro an'i Mosesy, ary ny hoe "azy" dia manondro an'i Josoa.
Ny fametrahan-tanana dia fomba fanokanana olona mba hanao asa manokana ho an'Andriamanitra.
Afaka manazava ny fampahalalana efa fantatra ny mba hitarihana ny vahoaka ianao. DH: "mba hitarika ny vahoaka" na "mba ho mpitarika ireo Israelita"
Eto ny hoe "-ny" dia manondro an'i Mosesy.
1 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh ary nanao hoe: 2 "Baikoy ny vahoakan'Israely ary lazao izy ireo hoe: 'Tsy maintsy manolotra sorona ho Ahy ianao amin'ny fotoana voatondro, dia ny sakafo fanatitro natao tamin'ny afo mba hamokarana hanitra ankasitrahana ho Ahy.' 3 Tsy maintsy lazainao ihany koa izy ireo hoe: "Izao no fanatitra natao tamin'ny afo izay tsy maintsy atolotrao ho an'i Yaveh—zanak'ondrilahy herintaona tsy misy kilema, roa isan'andro, ho fanatitra dorana mahazatra. 4 Zanak'ondry iray no tsy maintsy atolotrao amin'ny maraina, ary ny zanak'ondry iray hafa dia tsy maintsy atolotra amin'ny hariva. 5 Tsy maintsy manolotra koba tsara toto ampahafolon'ny efaha, mifangaro diloilo voakapoka iray ampahefatry ny hina ho fanatitra hohanina ianao. 6 Izany no fanatitra dorana mahazatra izay nodidiana tao an-Tendrombohitra Sinay mba hamokatra hanitra mamerovero, fanatitra iray natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. 7 Ny fanatitra sotroina miaraka amin'izany dia tsy maintsy iray ampahefatry ny hina ny an'ny zanak'ondry iray. Tsy maintsy ararakao eo amin'ny toerana masina ny fanatitra sotroin'ny zava-pisotro mahery ho an'i Yaveh. 8 Ilay zanak'ondry hafa dia tsy maintsy hatolotrao miaraka amin'ny fanatitra hohanina hafa amin'ny hariva tahaka ilay natolotra tamin'ny maraina. Tsy maintsy manolotra fanatitra sotroina miaraka amin'izany ihany koa ianao, fanatitra natao tamin'ny afo, mba hamokatra hanitra ankasitrahana ho an'i Yaveh. 9 Amin'ny andro Sabata dia tsy maintsy manolotra zanak'ondrilahy roa ianao, samy herintaona tsy misy kilema, sy koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha ho fanatitra hohanina, mifangaro diloilo, sy fanatitra sotroina miaraka amin'izany. 10 Izany dia ho an'ny fanatitra dorana isaky ny Sabata, ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra sy ny fanatitra dorana miaraka amin'izany. 11 Isaky ny fiandohan'ny volana, dia tsy maintsy manolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh ianao. 12 Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy roa, ondrilahy iray, ary zanak'ondrilahy herintaona tsy misy kilema. Tsy maintsy manolotra koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha ho fanatitra hohanina mifangaro diloilo ho an'ny ondrilahy iray ihany koa ianao. 13 Tsy maintsy manolotra koba tsara toto mifangaro diloilo ampahafolon'ny efaha ho fanatitra hohanina isaky ny zanak'ondry ihany koa ianao. Izany no ho fanatitra dorana, mba hamoaka hanitra mamerovero, fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. 14 Tsy maintsy antsasaky ny hinan-divay ho an'ny omby iray ny fanatitra sotroin'ny vahoaka, ampahatelon'ny hina ny an'ny ondrilahy iray, ary iray ampahefatry ny hina ny an'ny zanak'ondry iray. Dia izany no fanatitra dorana isam-bolana mandritra ireo volan'ny taona. 15 Ondrilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho an'i Yaveh no tsy maintsy atolotra. Izany dia ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra sy ny fanatitra sotroina miaraka amin'izany. 16 Mandritra ny volana voalohany, amin'ny fahefatra ambin'ny folon'ny volana, no tonga ny Pask'i Yaveh. 17 Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'izany volana izany no hanaovana ny fety. Mandritra ny fito andro, tsy maintsy mofo tsy misy masirasira no hohanina. 18 Amin'ny andro voalohany, dia tsy maintsy hisy fiangonana masina hanomezana voninahitra an'i Yaveh. Aoka tsy hanao ny asa mahazatra ianao amin'izany andro izany. 19 Fa kosa, tsy maintsy manolotra fanatitra atao amin'ny afo ianao, dia fanatitra dorana ho an'i Yaveh. Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy roa, ondrilahy iray, ary zanak'ondry herintaona fito, tsy misy kilema ianao. 20 Miaraka amin'ny ondry, dia tsy maintsy manolotra fanatitra hohanina koba tsara toto mifangaro diloilo telo ampahafolon'ny efaha ianao, ary miaraka amin'ny ondrilahy, roa ampahafolony. 21 Isaky ny iray amin'reo zanak'ondry fito, dia tsy maintsy manolotra koba tsara toto ampahafolon'ny efaha ianao, 22 sy osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana mba hanaovana fanavotana ho an'ny tenanareo. 23 Tsy maintsy hatolotrao ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra takiana isa-maraina ireo. 24 Araka ny voafaritra eto, tsy maintsy atolotrao isan'andro ireo sorona ireo, mandritra ny fito andron'ny Paska, dia ny fanatitra hohanina natao tamin'ny afo, hanitra ankasitrahana ho an'i Yaveh. Tsy maintsy atolotra izany ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra sy ny fanatitra sotroina miaraka amin'izany. 25 Amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy miaraka amin'ny fiangonana masina mba hanome voninahitra an'i Yaveh ianao, ary aoka tsy hanao ny raharaha mahazatra ianao amin'izany andro izany. 26 Amin'ny andron'ny voaloham-bokatra ihany koa, rehefa manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an'i Yaveh amin'ny Herinandron'ny Firavoravoana ianao, dia tsy maintsy miaraka amin'ny fiangonana masina mba hanome voninahitra an'i Yaveh ianao, ary tsy mahazo manao ny asa mahazatra ianao amin'izany andro izany. 27 Tsy maintsy manolotra fanatitra dorana mba hahazoana hanitra mamerovero ho an'i Yaveh ianao. Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy roa, ondrilahy iray, ary zanak'ondrilahy herintaona fito ianao. 28 Manolora ihany koa fanatitra hohanina miaraka amin'ireo: dia koba tsara toto mifangaro diloilo, koba tsara toto mifangaro diloilo telo ampahafolon'ny efaha ho an'ny ombilahy tsirairay ary roa ampahafolony ho an'ny ondrilahy iray. 29 Manolora koba tsara toto mifangaro diloilo ho an'ny zanak'ondry fito tsirairay avy, 30 sy osilahy iray mba hanaovana fanavotana ho an'ny tenanareo. 31 Rehefa manolotra ireo biby tsy misy kilema ireo ianao, miaraka amin'ireo fanatitra sotroiny, izany dia fanampin'ny fanatitra mahazatra sy ny fanatitra dorana miaraka amin'izany."
"amin'ny fotoana izay nofidiako"
DH: "ny sakafo fanatitra izay ho doranao eo amin'ny alitara mba hamokatra"
"fofona ankasitrahako"
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka i Yaveh.
DH: "ny fanatitra dorana" na "ny fanatitra nodoranao tamin'ny afo teo amin'ny alitara"
DH: "izay nafangaronao tamin'ny"
Ny "ampahafolo" dia midika hoe ampahany iray amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny famarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "2 litatra" na "ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny 2 litatra)"
Ny "ampahefatra" dia midika hoe ampahany iray amin'ny zara efatra mitovy. Afaka soratana amin'ny famarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "iray litatra" na "ampahefatry ny hina (izay efa ho 1 litatra)"
"diloilo nofihazina" na "menak'oliva tsy mitapoka." Io dia manondro ny menaka izay efa nofihazina avy amin'ny oliva.
DH: "izay nandidian'i Yaveh teo an-Tendrombohitra Sinay"
DH: "izay nodoranao teo amin'ny alitara"
Ny "ampahefatra" dia midika hoe ampahany iray amin'ny zara efatra mitovy. Afaka soratana amin'ny famarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "iray litatra" na "ampahefatry ny hina (izay efa ho 1 litatra)"
Io fehezanteny io dia manoritsoritra ny fanatitra sotroina izay ampanarahina ny zanak'ondry. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "Tsy maintsy fanatitra sotroina vita amin'ny zava-pisotro mahery izany ary tsy maintsy ararakao eo amin'ny toerana masin'i Yaveh"
DH: "tahaka ilay iray izay nalototrao"
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka i Yaveh.
Ny "roa ampahafolo" dia midika hoe ampahany roa amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny mari-pamarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "efatra litatra sy tapany" na "roa ampahafolonn'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny 4.5 litatra)"
DH: "izay nafangaronao tamin'ny diloilo"
Ny fanatitra maro dia misy fanatitra sotroina izay takiana mba hatolotra miaraka amin'ireo. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "ny fanatitra sotroina izay ampiarahina amin'izany"
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka i Yaveh.
Ny "telo ampahafolo" dia midika hoe ampahany telo amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny mari-pamarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "enina litatra" na "telo ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny enina litatra)"
Ny teny hoe "efaha" dia tsy ao ary afaka ampiana. Ny "roa ampahafolo" dia midika hoe ampahany roa amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny mari-pamarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "efatra litatra sy tapany" na "roa ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny 4.5 litatra)"
Ny "ampahafolo" dia midika hoe ampahany iray amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny famarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "2 litatra" na "ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny 2 litatra)"
DH: "izay nafangaronao tamin'ny diloilo"
DH: "izay nodoranao teo amin'ny alitara"
Ny "antsasany" dia midika hoe ampahany iray amin'ny zara roa mitovy. Afaka soratana amin'ny famarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "roa litatra" na "antsasaky ny hina ( izay roa litatra)"
"Iray ampahatelon'ny hina." Ny "ampahatelo" dia midika hoe ampahany iray amin'ny zara telo mitovy. Afaka soratana amin'ny famarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "1.2 litatra" na "Iray litatra sy ampahadiminy" na "antsasaky ny hina ( izay 1.2 litatra)"
Ny "ampahefatra" dia midika hoe ampahany iray amin'ny zara efatra mitovy. Afaka soratana amin'ny famarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "iray litatra" na "ampahefatry ny hina (izay efa ho 1litatra)"
DH: "Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho an'i Yaveh ho fanatitra noho ny ota ianao"
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka i Yaveh.
"ny volana faha-1, amin'ny andro faha-14n'ny volana...ny andro faha-15n'izany volana izany." Ireo dia manondro ny volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo.
"tsy maintsy mankalaza ny Pask'i Yaveh ianao"
DH: "tsy maintsy manao fety ianao"
DH: "tsy maintsy mihinana mofo tsy misy masirasira ianao"
"ny andro faha-1"
"tsy maintsy miara-miangona sy manompo ary manome voninahitra ho an'i Yaveh ianareo." Ny andianteny hoe "fiangonana masina" dia midika fa miara-miangona mba hanompo an'i Yaveh ny olona. Ny fanompoana an'i Yaveh dia tranga masina.
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka i Yaveh.
DH: "tsy maintsy mandoro fanatitra eo amin'ny alitara ianao"
Ny "telo ampahafolo" dia midika hoe ampahany telo amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny famarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "enina litatra" na "telo ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny enina litatra)"
DH: "izay nafangaronao tamin'ny diloilo"
Ny teny hoe "efaha" dia tsy ao ary afaka ampiana. Ny "roa ampahafolo" dia midika hoe ampahany roa amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny mari-pamarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "efatra litatra sy tapany amin'ny koba tsara toto" na "roa ampahafolon'ny efaha amin'ny koba tsara toto (izay eo ho eo amin'ny 4.5 litatra)"
Ny "ampahafolo" dia midika hoe ampahany iray amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny famarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "2 litatra" na "ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny 2 litatra)"
Ny teny hoe "fanavotana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "mba hanavotana"
DH: "izay takian'i Yaveh isa-maraina"
DH: "Araka izay efa nofaritako, Yaveh eto''
DH: "tsy maintsy mandoro fanatitra sakafo eo amin'ny alitara ianao"
"ho hanitra mamerovero ho an'i Yaveh"
DH: "Tsy maintsy atolotrao izany"
"miara-miangona mba hanompo sy hanome voninahitra an'i Yaveh." Ny andianteny hoe "fiangonana masina" dia midika hoe miara-miangona mba hanompo an'i Yaveh ny olona. Ny fanompoana an'i Yaveh dia tranga masina.
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka i Yaveh.
"ny andron'ny voaloham-bokatra, no andro." Io dia manondro ny andro mandritra ny Firavoravoan'ny Herinandro izay hanoloran'izy ireo ny fanatitra hohanina ho an'i Yaveh.
"miara-miangona mba hanompo sy hanome voninahitra an'i Yaveh." Ny andianteny hoe "fiangonana masina" dia midika hoe miara-miangona mba hanompo an'i Yaveh ny olona. Ny fanompoana an'i Yaveh dia tranga masina.
DH: "izay nafangaronao tamin'ny diloilo"
Ny "telo ampahafolo" dia midika hoe ampahany telo amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny famarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "enina litatra" na "telo ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny enina litatra)"
Ny teny hoe "efaha" dia tsy ao ary afaka ampiana. Ny "roa ampahafolo" dia midika hoe ampahany roa amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny mari-pamarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "efatra litatra sy tapany amin'ny koba tsara toto" na "roa ampahafolon'ny efaha amin'ny koba tsara toto (izay eo ho eo amin'ny 4.5 litatra)"
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka i Yaveh.
Ny "ampahafolo" dia midika hoe ampahany iray amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny famarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "2 litatra" na "ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny 2 litatra)"
DH: "koba tsara toto izay nafangaronao tamin'ny diloilo"
Ny teny hoe "fanavotana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny hoe "hanavotana". DH: "mba hanavotana"
Io dia manondro ny fanatitra sotroina izay takiana mba ampiarahina amin'ireo biby tsirairay avy rehefa atao sorona ireo. DH: "ny fanatitra sotroina izay natolotra niaraka tamin'ireo" na "ireo fanatitra sotroina izay ampiarahina amin'ireo"
1 "Amin'ny volana fahafito, amin'ny andro voalohan'ny volana, dia tsy maintsy hanao fivoriana masina hankalazana an'i Yaveh ianareo. Tsy hanao ny raharaha mahazatra ianareo amin'izany andro izany. Ho andro fitsofana ireo trompetra ho anareo izany. 2 Tsy maintsy manolotra fanatitra dorana hahatonga hanitra mamerovero ho an'i Yaveh ianareo. Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, ary zanak'ondry lahy herintaona fito, samy tsy misy kilema ianareo. 3 Tsy maintsy manolotra miaraka amin'ireo ny fanatitra hohanina, koba tsara toto voaharo diloilo, telo ampahafolon'ny efaha ho an'ny ombilahy, roa ampahafolony ho an'ny ondrilahy, 4 ary ampahafolony ho an'ny zanak'ondry tsirairay amin'ireo zanak'ondry fito ianareo. 5 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanavotana anareo ianareo. 6 Ataovy ireto fanatitra ireto amin'ny volana fahafito ho fanampin'ny fanatitra rehetra izay hataonareo isaky ny voaloham-bolana: ny fanatitra dorana voatokana sy ny fanatitra hohanina no hiaraka amin'izany. Ireo dia ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ny fanatitra ahidin'izany. Rehefa manao izany fanatitra izany ianareo, dia hankatoa izay voadidy mba hahatonga hanitra mamerovero, fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. 7 Amin'ny andro fahafolon'ny volana fahafito dia tsy maintsy hisy fivoriana masina hankalazana an'i Yaveh. Tsy maintsy hanetry ny tenanareo ianareo ary tsy hiasa. 8 Tsy maintsy manolotra fanatitra dorana mba hahatonga hanitra mamerovero ho an'i Yaveh ianareo. Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, ary zanak'ondry lahy fito herintaona ianareo. Aoka ho samy tsy misy kilema ireo. 9 Tsy maintsy hatolotrareo miaraka amin'ireo ny fanatitra hohanina, koba tsara toto voaharo diloilo, telo ampahafolon'ny efaha ho an'ny ombilahy, roa ampahafolony ho an'ny ondrilahy, 10 ary ampahafolon'ny efaha ho an'ny tsirairay amin'ireo zanak'ondry fito. 11 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ianareo. Ho fanampin'ny fanatitra nohon'ny fahotana ho fanavotana, ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ny fanatitra sotroina amin'izany. 12 Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana fahafito dia tsy maintsy hisy fivoriana masina hankalazana an'i Yaveh. Tsy mahazo manao ny raharaha mahazatra ianareo amin'izany andro izany, ary tsy maintsy mitandrina ny firavoravoana ho Azy mandritra ny fito andro. 13 Tsy maintsy manolotra fanatitra dorana ianareo, sorona natao tamin'ny afo hahatonga hanitra mamerovero ho an'i Yaveh. Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo. Aoka ho samy tsy misy kilema ireo. 14 Tsy maintsy atolotrareo miaraka amin'ireo ny fanatitra hohanina, koba tsara toto voaharo diloilo, telo ampahafolon'ny efaha ho an'ny ombilahy tsirairay amin'ireo ombilahy telo ambin'ny folo, roa ampahafolony ho an'ny ondrilahy tsirairay amin'ireo ondrilahy roa, 15 ary ampahafolon'ny efaha ho an'ny tsirairay amin'ireo zanak'ondry efatra ambin'ny folo. 16 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ny fanatitra sotroina amin'izany ianareo. 17 Amin'ny andro faharoan'ny fivoriana, dia tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy efatra ambin'ny folo herintaona, samy tsy hisy kilema ianareo. 18 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina, ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, sy ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy. 19 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo. 20 Amin'ny andro fahatelon'ny fivoriana, dia tsy maintsy manolotra ombilahy iraika ambin'ny folo, ondrilahy roa, ary zanak'omby lahy herintaona efatra ambin'ny folo, samy tsy misy kilema ianareo. 21 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, ary ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy. 22 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba izany, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo. 23 Amin'ny andro fahefatry ny fivoriana, dia tsy maintsy hanolotra ombilahy folo, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo, samy tsy hisy kilema ianareo. 24 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina, ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, sy ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy. 25 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ireo fanatitra aidiny ianareo. 26 Amin'ny andro fahadimin'ny fivoriana, dia tsy maintsy hanolotra ombilahy sivy, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo, samy tsy misy kilema ianareo. 27 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina, ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, sy ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy. 28 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo. 29 Amin'ny andro fahenin'ny fivoriana, dia tsy maintsy manolotra ombilahy valo, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo, samy tsy hisy kilema ianareo. 30 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina, ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, sy ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy. 31 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo. 32 Amin'ny andro fahafiton'ny fivoriana, dia tsy maintsy manolotra ombilahy fito, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo, samy tsy misy kilema ianareo. 33 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina, ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, sy ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy. 34 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo. 35 Amin'ny andro fahavalo dia tsy maintsy hanao fivoriana manetriketrika hafa ianareo. Tsy mahazo manao ny asa mahazatra ianareo amin'izany andro izany. 36 Tsy maintsy manolotra fanatitra dorana ianareo, fanatitra natao tamin'ny afo mba hahatonga hanitra mamerovero ho an'i Yaveh. Tsy maintsy manolotra ombilahy iray, ondrilahy iray, ary zanak'ondry lahy herintaona fito, samy tsy misy kilema ianareo. 37 Tsy maintsy manolotra ireo fanatitra hohanin'izy ireo sy fanatitra sotroina ho an'ny ombilahy, ho an'ny ondrilahy, ary ho an'ny zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy ianareo. 38 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba azy ireo, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo. 39 Ireo no tsy maintsy haterinao ho an'i Yaveh amin'ireo firavoravoana izay efa voafaritra. Ho fanampin'ireo voady sy fanatitra an-tsitraponao izany. Tsy maintsy manolotra izany ho fanatitra dorana, fanatitra hohanina, fanatitra aidina, sy fanati-pihavanana ianareo." 40 Nolazain'i Mosesy tamin'ny vahoakan'Israely ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh azy holazaina.
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka i Yaveh.
"ny volana faha-7, amin'ny andro faha-1n'ny volana." Io dia manondro ny volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo.
"miara-miangona mba hanompo sy hanome voninahitra an'i Yaveh." Ny andianteny hoe "fiangonana masina" dia midika hoe miara-miangona mba hanompo an'i Yaveh ny olona. Ny fanompoana an'i Yaveh dia tranga masina.
Eto ny teny hoe "anareo" dia manondro ny vahoakan'Israely izay manambara ireo mpisorona eto. Nitsoka ny trompetra ireo mpisorona mba hanombohana ny asa fanompoana na mba hiangonan'ny fivondronana miaraka. DH: "Ho andro izay hitsofan'ireo mpisorona ny trompetra izany"
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka i Yaveh.
Io dia manondro ireo fanatitra hohanina izay takiana mba ampiarahina amin'ireo biby tsirairay avy rehefa atao sorona ireo. DH: "ireo fanatitra hohanina izay natolotra niaraka tamin'ireo" na "ireo fanatitra hohanina izay ampiarahina amin'ireo"
DH: "izay nafangaronao tamin'ny diloilo"
Ny "telo ampahafolo" dia midika hoe ampahany telo amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny fandrefesana amin'izao fotoana izao izany. DH: "enina litatra" na "telo ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny enina litatra)"
Ny teny hoe "efaha" dia tsy ao ary afaka ampiana. Ny "roa ampahafolo" dia midika hoe ampahany roa amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny mari-pamarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "efatra litatra sy tapany" na "roa ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny 4.5 litatra)"
Ny "ampahafolo" dia midika hoe ampahany iray amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny fandrefesana amin'izao fotoana izao izany. DH: "2 litatra" na "ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny 2 litatra)"
Ny teny hoe "fanavotana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny hoe "hanavotana". DH: "mba hanavotana"
"ny volana faha-7...ny andro faha-1 isaky ny volana" Ny teny hoe "volana" dia manondro ny volana izay ao amin'ny tetiandro Hebreo.
"isam-bolana--fanatitra dorana voatokana...hiaraka amin'izany." Io dia ny fanatitra izay natao tamin'ny andro isam-bolana.
Ireo dia manondro ireo fanatitra izay tokony omen'ireo mpisorona isan'andro. Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra sotroina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra dorana mahazatra. DH: "ny fanatitra dorana mahazatra, miaraka amin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra sotroina izay ampiarahina amin'izany"
DH: "hankatoa izay didin'i Yaveh ianareo" na "hankatoa izay nandidian'i Yaveh ianareo"
DH: " fanatitra zay nodoranao teo amin'ny alitara ho an'i Yaveh"
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka i Yaveh.
"ny andro faha-10n'ny volana faha-7" Ny teny hoe "volana" dia manondro ny volana ao amin'ny tetiandro Hebreo.
"miara-miangona mba hanompo sy hanome voninahitra an'i Yaveh." Ny andianteny hoe "fiangonana masina" dia midika hoe miara-miangona mba hanompo an'i Yaveh ny olona. Ny fanompoana an'i Yaveh dia tranga masina.
DH: "izay nafangaronao tamin'ny diloilo"
Ny "telo ampahafolo" dia midika hoe ampahany telo amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny fandrefesana amin'izao fotoana izao izany. DH: "enina litatra" na "telo ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny enina litatra)"
Ny teny hoe "efaha" dia tsy ao ary afaka ampiana. Ny "roa ampahafolo" dia midika hoe ampahany roa amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny mari-pamarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "efatra litatra sy tapany" na "roa ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny 4.5 litatra)"
Ny "ampahafolo" dia midika hoe ampahany iray amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny fandrefesana amin'izao fotoana izao izany. DH: "2 litatra" na "ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny 2 litatra)"
Ny teny hoe "fanavotana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny hoe "hanavotana". DH: "mba hanavotana"
Ny fanatitra hohanina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra dorana. Ireo fanatitra sotroina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana. DH: "miaraka amin'ny fanatitra dorana sy fanatitra sotroina izay ampiarahina amin'ireo"
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka i Yaveh.
"ny andro faha-15n'ny volana faha-7." Ny teny hoe "volana" dia manondro ny volana ao amin'ny tetiandro Hebreo.
"miara-miangona mba hanompo sy hanome voninahitra an'i Yaveh." Ny andianteny hoe "fiangonana masina" dia midika hoe miara-miangona mba hanompo an'i Yaveh ny olona. Ny fanompoana an'i Yaveh dia tranga masina.
Io dia fomba fiteny. Eto ny teny hoe "mitandrina" dia midika hoe mihazona na mankalaza. Ny teny hoe "Azy" dia manondro an'i Yaveh. DH: "tsy maintsy mihazona ny firavoravoan'i Yaveh ianareo" na "tsy maintsy mankalaza ny firavoravoan'i Yaveh ianareo"
DH: "tsy maintsy mandoro izany eo amin'ny alitara ianareo"
"vantotr'ombilahy 13, ondrilahy 2, ary zanak'ondry lahy herintaona 14"
DH: "izay nafangaronao tamin'ny diloilo"
Ny "telo ampahafolo" dia midika hoe ampahany telo amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny fandrefesana amin'izao fotoana izao izany. DH: "enina litatra" na "telo ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny enina litatra)"
"ombilahy 13...zanak'ondry 14"
Ny teny hoe "efaha" dia tsy ao ary afaka ampiana. Ny "roa ampahafolo" dia midika hoe ampahany roa amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny mari-pamarana amin'izao fotoana izao izany. DH: "efatra litatra sy tapany" na "roa ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny 4.5 litatra)"
Ny "ampahafolo" dia midika hoe ampahany iray amin'ny zara folo mitovy. Afaka soratana amin'ny fandrefesana amin'izao fotoana izao izany. DH: "2 litatra" na "ampahafolon'ny efaha (izay eo ho eo amin'ny 2 litatra)"
ny fanatitra hohanina ary ny fanatitra sotroina izay ampiarahina amin'ny fanatitra dorana mahazatra.
"ny andro faha-2n'ny firavoravoana." Eto ny teny hoe "fivoriana" dia manondro ny Firavoravoan'ny Herinandro.
"vantotr'ombilahy 12, ondrilahy 2, ary zanak'ondry lahy 14"
DH: "araka izay nandidian'i Yaveh"
Ny fanatitra hohanina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra dorana. Ireo fanatitra sotroina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana. DH: "miaraka amin'ny fanatitra dorana sy fanatitra sotroina izay ampiarahina amin'ireo"
"ny andro faha-3n'ny fivoriana." Eto ny teny hoe "fivoriana" dia manondro ny Firavoravoan'ny Herinandro.
"ombilahy 11, ondrilahy 2, ary zanak'omby lahy herintaona 14"
DH: "araka izay nandidian'i Yaveh"
Ny fanatitra hohanina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra dorana. Ireo fanatitra sotroina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana. DH: "miaraka amin'ny fanatitra dorana sy fanatitra sotroina izay ampiarahina amin'ireo"
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka mandritra ny firavoravoana amin'ny volana fahafito i Yaveh.
"ny andro faha-4n'ny fivoriana." Eto ny teny hoe "fivoriana" dia manondro ny Firavoravoan'ny Herinandro.
"zanak'ondry lahy 14"
DH: "araka izay nandidian'i Yaveh"
Ny fanatitra hohanina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra dorana. Ireo fanatitra sotroina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana. DH: "miaraka amin'ny fanatitra dorana sy fanatitra sotroina izay ampiarahina amin'ireo"
"ny andro faha-5n'ny fivoriana." Eto ny teny hoe "fivoriana" dia manondro ny Firavoravoan'ny Herinandro.
"zanak'ondry lahy 14"
DH: "araka izay nandidian'i Yaveh"
Ny fanatitra hohanina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra dorana. Ireo fanatitra sotroina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana. DH: "miaraka amin'ny fanatitra dorana sy fanatitra sotroina izay ampiarahina amin'ireo"
"ny andro faha-6n'ny firavoravoana." Eto ny teny hoe "fivoriana" dia manondro ny Firavoravoan'ny Herinandro.
"zanak'ondry lahy 14"
DH: "araka izay nandidian'i Yaveh"
Ny fanatitra hohanina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra dorana. Ireo fanatitra sotroina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana. DH: "miaraka amin'ny fanatitra dorana sy fanatitra sotroina izay ampiarahina amin'ireo"
"ny andro faha-7n'ny firavoravoana." Eto ny teny hoe "fivoriana" dia manondro ny Firavoravoan'ny Herinandro.
"zanak'ondry lahy 14"
DH: "araka izay nandidian'i Yaveh"
Ny fanatitra hohanina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra dorana. Ireo fanatitra sotroina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana. DH: "miaraka amin'ny fanatitra dorana sy fanatitra sotroina izay ampiarahina amin'ireo"
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka aorian'ny fito andron'ny firavoravoana amin'ny volana fahafito i Yaveh.
Io "fahavalo" io dia laharan'isa ho an'ny valo.
"mbola miara-miangona indray mba hanompo an'i Yaveh." Io dia fivoriana hafa mitovy amin'ilay iray izay tamin'ny andro voalohan'ny firavoravoana.
DH: "tsy maintsy mandoro ditin-kazo manitra eo amin'ny alitara ianareo"
Ireo fanatitra ireo dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny ombilahy, ondrilahy, ary ireo zanak'ondry. DH: "ireo fanatitra hohanina sy ireo fanatitra sotroina"
DH: "araka izay nandidian'i Yaveh"
Ny fanatitra hohanina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra dorana. Ireo fanatitra sotroina dia tsy maintsy atolotra miaraka amin'ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana. DH: "miaraka amin'ny fanatitra dorana sy fanatitra sotroina izay ampiarahina amin'ireo"
"Ireo fanatitra ireo no tsy maintsy atolotrareo"
"firavoravoana efa voalamina." Ireo no firavoravoana izay natao tamin'ny fotoana voarindra mahazatra. Ny teny hoe "voafaritra" dia midika hoe "voapetraka" na "efa voafaritra mialoha."
1 Niteny tamin'ireo mpitarika ny fokon'ny vahoakan'Israely i Mosesy. Hoy izy hoe: "Izao no nandidian'i Yaveh. 2 Rehefa misy mivoady amin'i Yaveh, na manao fianianana hamatotra ny tenany amin'ny fampanantenana, dia aoka izy tsy hivadika amin'ny teniny. Aoka izy hitana ny fampanantenany hanao izay rehetra naloaky ny vavany. 3 Raha misy tovovavy mipetraka ao an-tranon-drainy ka manao voady amin'i Yaveh ary mamatotra ny tenany amin'ny fampanantenana, 4 raha mandre ny voady ny rainy ka mianiana amin'izay namatorany ny tenany, ary raha tsy miteny na inona na inona izy mba hampivadika azy, dia hanan-kery ihany ny voadiny. Ny fampanantenana rehetra izay namatorany ny tenany dia hanan-kery hatrany. 5 Fa raha mandre momba ny voadiny sy ny fampanantenany ny rainy, ary raha tsy miteny na inona na inona aminy, dia ny voady rehetra izay nataony tamin'ny tenany dia hanan-kery hatrany. 6 Kanefa, raha mandre ny voadiny rehetra izay nataony sy ny fampanantenana manetriketrika nataony izay namatorany ny tenany ny rainy, ary raha manapaka azy izy amin'io andro io ihany, dia tsy hijanona hanan-kery ireo. Hamela azy Yaveh satria nanapaka azy ny rainy. 7 Raha manambady lehilahy iray izy ka mbola voafatotr'ireo voady, na manao fampanatenana maimaika izay hanereny ny tenany, dia hanan-kery hatrany ireo fanerena ireo. 8 Fa raha manakana azy amin'ny andro andrenesany momba izany ny rainy, dia hanafoana ny voady izay nataony izy, dia ilay teny maimaika nataon'ny molony izay namatorany ny tenany. Hanafaka azy Yaveh. 9 Fa ny amin'ny mpitondratena na vehivavy nisara-bady, izay rehetra namatorany ny tenany dia hana-kery aminy hatrany. 10 Raha misy vehivavy nanao voady tao an-tranon'ny vadiny na nanery ny tenany tamin'ny fanaovana fianianana, 11 ary ren'ny vadiny izany, saingy tsy miteny na inona na inona aminy izy ary tsy manohitra azy, dia aoka hitoetra ny voadiny rehetra ary aoka hijanona hanan-kery ny fanerena nataony. 12 Fa raha foanan'ny vadiny ireo amin'ny andro izay nandrenesany momba izany, izay rehetra naloaky ny molony momba ireo voady na fampanantenana dia tsy hanan-kery. Efa nofoanan'ny vadiny izany. Hanafaka azy Yaveh. 13 Ny voady rehetra izay ataon'ny vehivavy iray ka mamatotra azy handà ny tenany dia mety hamafisina na ho foanan'ny vadiny. 14 Fa raha tsy miteny na inona na inona aminy isan'andro izy, dia manamafy ny voadiny rehetra izy ary mamatotra ny fampanantenana izay nataony. Nohamafisiny ireo satria tsy nilaza na inona na inona taminy izy tamin'ny fotoana nandrenesany momba ireo. 15 Raha mitady ny hanafoana ny voadin'ny vadiny fotoana ela taorian'ny nandrenesany momba izany ny lehilahy, dia izy no ho tompon'antoka amin'ny fahotany." 16 Ireo no lalàna nandidian'i Yaveh mba hambaran'i Mosesy—lalàna ho an'izay eo amin'ny lehilahy sy ny vadiny ary eo amin'ny ray sy ny zanany vavy rehefa ao anatin'ny fahatanorany ao an-tranon'ny fianakavian-drainy izy.
Ireo fehezanteny ireo dia misy dikany mitovy ihany ary nakambana mba hanindriana ny fanaovana ny voady na fampanantenana.
Eto i Mosesy dia miresaka ny olona mampanantena ny hanao zavatra toy ny hoe zavatra ara-batana izay amatorany ny tenany izany. DH: "manatanteraka ny fampanantenana" na "mampanantena ny hanao zavatra"
Ireo fehezanteny roa ireo dia misy heviny iray ihany ary nakambana mba hanindriana fa tsy maintsy manatanteraka ireo fampanantenany izy. Eto ny hoe "teny" dia sarinteny izay manondro izay holazainy.
Ny andianteny hoe "ny teniny" dia manindry ny fianianana sy voadin'ny olona iray. Eto i Mosesy dia miresaka ny tsy fanatanterahana ireo toy ny hoe zavatra ara-batana izay afaka potehina izany. DH: "tsy maintsy manatanteraka ireo fampanantenany izy"
Eto ny teny hoe "vava" dia sarinteny hilazana ireo zavatra izay lazain'ny olona. DH: "mba hanao ny zavatra rehetra izay lazainy fa hataony"
Eto i Mosesy dia miresaka ny vehivavy mampanantena ny hanao zavatra toy ny hoe zavatra izay mamatotra ny tenany ny fampanantenany. DH: "nanao ny tenany mba hanatanteraka ny fampanantenana" na "mampanantena ny hanao zavatra"
Ireo andianteny roa ireo dia misy heviny tena mitovy. Ireo dia manindry izay efa nampanantenainy ho atao. DH: "ny voady"
Eto i Mosesy dia miresaka ny vehivavy mampanantena ny hanatanteraka ny fampanantenany toy ny hoe zavatra izay mamatotra ny tenany ny fampanantenany. DH: "nanao ny tenany mba hanatanteraka"
"mba hamafa izay efa nolazainy"
Ireo fanambarana roa ireo dia milaza zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa tsy maintsy mitana ny voadiny rehetra izy.
Io dia fomba fiteny. Midika izany fa hiasa hatrany ireo voadiny ary fa ho takiana mba hanatanteraka ireo izy. DH: "voatery hanatanteraka izy"
Ireo andianteny roa ireo dia misy heviny tena mitovy. Ireo dia manindry izay efa nampanantenainy ho atao. DH: "ny voady"
Eto ny vehivavy manolotra ny tenany hanatanteraka ireo voadiny dia resahina toy ny hoe akanjo izay nanaovany ireo voadiny. DH: "izay nataony"
Io dia fomba fiteny. Midika izany fa mbola izy hatrany ireo voadiny ary fa ho takiana mba hanatanteraka ireo izy. DH: "voatery hanatanteraka izy"
Eto i Mosesy dia miresaka ny vehivavy mampanantena ny hanatanteraka ny fampanantenany toy ny hoe zavatra izay mamatotra ny tenany ny fampanantenany. DH: "ny fampanantenany manetriketrika izay nataony mba hotanterahiny"
Ny fanapahan'ny rainy ny fampanantenan'ilay vehivavy dia resahina toy ny hoe manapaka "azy" izy. DH: "raha manapaka ny fampanantenany izy" na "raha mamono ny fampanantenany izy"
Io dia fomba fiteny. Midika izany fa tsy izy intsony ireo voadiny ary tsy ho takiana mba hanatanteraka ireo izy. DH: "tsy voatery hanatanteraka izy"
Io dia manondro ny famelan'i Yaveh azy tamin'ny tsy nanatanterahiny ireo voadiny. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "hamela azy tamin'ny tsy nanatanterahiny ireo voadiny i Yaveh"
Io dia fomba fiteny. Ny hoe "voafatotry" ny voadiny dia midika fa nanao ireo izy ary mbola izy manan-kery ireo. DH: "raha mbola manao ireo voady ireo izy"
zavatra natao tsy am-piheverana
Ny teny hoe "fanerena" dia afaka ambara amin'ny matoanteny hoe "manery." DH: "ireo zavatra izay nanereny ny tenany"
"ny voady izay nataony...izany dia, ny resaka maimaika nataon'ny molony." Ireo andianteny roa ireo dia manondro zavatra iray ihany. Ny andianteny faharoa dia manoritsoritra ny voady izay nataon'ilay vehivavy.
Ny andianteny hoe "teny maimaika" dia manondro ilay fampanantenana maimaika izay nataony. Eto ny hoe "molony" dia midika hoe ilay vehivavy mihitsy. Tondroina tamin'ny hoe "molony" izy satria ny molony dia mifandraika amin'izay lazainy. DH: "ireo zavatra maimaika nataony" na "ny fampanantenany maimaika"
Eto i Mosesy dia miresaka ny fomba hampanantenan'ny vehivavy iray hanatanteraka ny fampanantenany toy ny hoe zavatra izay namatorany ny tenany ny fampanantenany. DH: "izay nanaovany ny tenany mba hanatanteraka"
Eto i Mosesy dia miresaka momba ny famelan'i Yaveh ilay vehivavy tamin'ny tsy nanatanterahany ny voadiny toy ny hoe namela azy tamin'ny zavatra izay namatotra ny tenany izy. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "hamela azy i Yaveh" na "hamela azy tamin'ny tsy nanatanterahany ny voadiny i Yaveh"
Manohy milaza amin'ireo mpitarika ny foko izay efa nandidian'i Yaveh i Mosesy.
DH: "vehivavy izay nisaraka tamin'ny lehilahy"
Eto i Mosesy dia miresaka ny fomba hampanantenan'ny vehivavy iray hanatanteraka ny fampanantenany toy ny hoe zavatra izay namatorany ny tenany ny fampanantenany. DH: "izay nanaovany ny tenany mba hanatanteraka"
Io dia fomba fiteny. Midika izany fa mbola izy ireo voadiny ary ho takiana mba hanatanteraka ireo izy. Jereo ny nandikanao ny andianteny mitovy amin'izany ao amin'ny 30:3. DH: "voatery hanatanteraka izy"
Io dia manondro vehivavy manambady. Afaka manazava ny hevitr'io fanambarana io ianao. DH: "Raha misy vehivavy manambady manao voady"
Io dia fomba fiteny. Midika izany fa mbola izy ireo voadiny ary ho takiana mba hanatanteraka ireo izy. Jereo ny nandikanao ny andianteny mitovy amin'izany ao amin'ny 30:3. DH: "dia tsy maintsy hanatanteraka ireo voadiny rehetra izy...tsy maintsy manatanteraka izany izy"
Ireo fanambarana roa ireo dia milaza zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny mba hanindriana sy mba ho afaka akambana. DH: "dia tsy maintsy hanan-kery ireo voadiny rehetra sy ireo fampanantenana izay nataony"
Eto izay nolazain'ilay vehivavy dia tondroina toy ny hoe zavatra izay mivoaka avy amin'ny molony izany. DH: "izay rehetra lazainy"
Io dia fomba fiteny. Midika izany fa tsy izy intsony ireo voadiny ary tsy ho takiana mba hanatanteraka ireo izy. Jereo ny nandikanao ny andianteny mitovy amin'izany ao amin'ny 30:6. DH: "tsy voatery hanatanteraka izy"
Eto i Mosesy dia miresaka momba ny famelan'i Yaveh ilay vehivavy tamin'ny tsy nanatanterahany ny voadiny toy ny hoe namela azy tamin'ny zavatra izay namatotra ny tenany izy. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "hamela azy i Yaveh" na "hamela azy tamin'ny tsy nanatanterahany ny voadiny i Yaveh"
DH: "Ny vadin'ny vehivavy iray dia mety manamafy na manafoana izay voady na fianianana nataony izay mamatotra azy mba handàvany ny tenany"
Eto i Mosesy dia miresaka ny fampanantenan'ilay vehivavy izay nataony toy ny hoe zavatra izay mamatotra ny tenany izany. DH: "izay nataony"
Soritsoritan'i Mosesy toy ny hoe zavatra izay mamatotra azy ara-batana ireo fampanantenan'ilay vehivavy. DH: "ireo fanerena" na "ireo fampanantenana"
Afaka manazava ny fampahalalana efa fantatra ianao. DH: "satria tsy nilaza na inona na inona taminy ny momba ireo izy"
Midika izany fa ho meloka noho ny fahotan'ilay vehivavy ny vadiny fa tsy izy raha tsy nahatanteraka ny voadiny ilay vehivavy. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "raha tsy manatanteraka ny voadiny izy, dia tsy ho meloka noho ny fahotany, fa ny vadiny no ho meloka raha ho tokony ilay vehivavy"
1 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh ary nanao hoe: 2 "Manaova valifaty amin'ireo Midianita nohon'ny nataon'izy ireo tamin'ireo Israelita. Rehefa vita izany, dia ho faty ianao ary hangonina eo amin'ny olonao." 3 Koa niresaka tamin'ireo vahoaka i Mosesy. Hoy izy hoe: "Rongoy fiadina ho amin'ny ady ny sasany amin'ireo olonareo mba handehanan'izy ireo hanohitra an'ireo Midiana sy hanatanteraka valifatin'i Yaveh amin'izany. 4 Ny foko rehetra manerana an'Israely dia tsy maintsy mandefa miaramila ho any an'ady." 5 Koa tamin'ireo olona an'arivorivon'Israely, dia avy any amin'ny foko rehetra ho an'ny ady ny an'arivony, roa arivo sy iray alina no fitambarany. 6 Avy eo nalefan'i Mosesy an'ady izy ireo, arivo avy amin'ny foko rehetra, niaraka tamin'i Finehasa zanaka lahin'i Eleazara mpisorona, sy niaraka tamin'ny fanaka sasany avy ao amin'ny fitoerana masina ary trompetra eny an-tanany mba hitsofana ny fanairana. 7 Niady tamin'ny Midiana izy ireo, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. Novonoin'izy ireo ny olona rehetra. 8 Novonoiny ireo mpanjakan'i Midiana niaraka tamin'ny sisan'ny matin'izy ireo: Evy, Rekema, Zora, Hora, ary Reba, ireo mpanjaka dimin'i Midiana. Novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra ihany koa Balama zanaka lahin'i Beora. 9 Nalain'ny tafik'Israely ho babo ireo vehivavin'i Midiana, ny zanak'izy ireo, ny biby fiompin'izy rehetra, ireo ondry aman'osin'izy ireo, ary ny fananan'izy rehetra. Nalain'izy ireo ho babo avokoa ireo. 10 Nodoran'izy ireo ny tanànany rehetra izay nonenan'izy ireo ary ireo tobiny rehetra. 11 Nalain'izy ireo avokoa ireo babo sy gadra rehetra, na olona na biby. 12 Nentin'izy ireo tany amin'i Mosesy, Eleazara mpisorona, ary tany amin'ny fianakaviamben'ny olon'Israely ireo gadra, ny babo, ary ireo zavatra azo. Nentin'izy ireo tany amin'ny toby tany amin'ireo tany hain'i Moaba, amoron'i Jordana akaikin'i Jeriko ireo. 13 Nandeha nivoaka nitsena azy ireo tany ivelan'ny toby i Mosesy, Eleazara mpisorona, sy ireo mpitarika ny fianakaviambe rehetra. 14 Fa Mosesy dia tezitra tamin'ireo manam-pahefan'ny tafika, ireo mpifehy ny arivo sy ireo kapitenin'ny zato, izay tonga avy any an'ady. 15 Hoy Mosesy tamin'izy ireo hoe: "Navelanareo ho velona ve ny vehivavy rehetra? 16 Indro, nataon'ireo vehivavy ireo nanota tamin'i Yaveh ny amin'i Peora tamin'ny alalan'i torohevitr'i Balama ny olon'Israely, rehefa niparitaka teo amin'ny fiangonan'i Yaveh ny areti-mandoza. 17 Ankehitriny ary, vonoy ny zazalahy eo amin'ny madinika rehetra, ary vonoy ny vehivavy rehetra izay efa niara-nandry tamin'ny lehilahy. 18 Fa ento ho anareo ny tovovavy rehetra izay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lehilahy mihitsy. 19 Tsy maintsy mitoby ivelan'ny tobin'Israely mandritra ny fito andro ianareo. Ianareo rehetra izay efa namono olona na nikitika olona maty—tsy maintsy manadio ny tenanareo ianareo amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito—ianareo sy ireo gadranareo. 20 Tsy maintsy manadio ny akanjonareo rehetra sy ny zavatra rehetra vita amin'ny hodi-biby sy volon'osy, ary ny zavatra rehetra vita amin'ny hazo ianareo." 21 Eleazara mpisorona dia nilaza tamin'ireo miaramila izay nandeha tany an'ady hoe: "Ity dia lalàna voadidy izay nomen'i Yaveh an'i Mosesy: 22 Ny volamena, volafotsy, varahina, vy, vifotsy, sy firaka, 23 ary ny zavatra rehetra izay tsy andairan'ny afo, dia tsy maintsy ataonareo anaty afo, ka hadio izany. Avy eo tsy maintsy diovinareo amin'ny rano fandiovana ireo zavatra ireo. Na inona na inona tsy afaka mandalo amin'ny afo dia tsy maintsy diovinareo amin'izany rano izany. 24 Amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy sasanareo ny fitafianareo, ary avy eo ianareo hadio. Aorian'izany dia ho tonga ao amin'ny tobin'Israely ianareo." 25 Avy eo Yaveh niresaka tamin'i Mosesy ary niteny hoe: 26 "Isao ireo zavatra babo rehetra izay azo, na olona na biby. Ianao, Eleazara mpisorona, ary ireo mpitarika ny fianakaviamben'ireo fokon'ny razambenao 27 dia tsy maintsy mizara ireo babo ho fizarana roa. Zarao eo amin'ireo miaramila izay nandeha an'ady sy ireo ambin'ny fianakaviambe rehetra izany. 28 Avy eo mitakia hetra avy amin'ireo miaramila izay nandeha an'ady mba homena Ahy. Izany hetra izany dia tsy maintsy iray isan-dimanjato, na olona, biby fiompy, boriky, ondry, na osy. 29 Alaivo amin'ny antsasak'ireo izany hetra izany ary omeo an'i Eleazara mpisorona izany mba ho fanatitra hatolotra ho Ahy. 30 Ary avy amin'ny antsasaky ny Israely ihany koa, dia tsy maintsy maka iray isan-dimam-polo ianao—avy amin'ireo olona, biby fiompy, boriky, ondry, ary osy. Omeo an'ireo Levita izay mikarakara ny tabernakeliko ireo." 31 Koa dia nataon'i Mosesy sy Eleazara mpisorona araka ny nandidian'i Yaveh. 32 Ary ny babo izay sisa tamin'ireo azon'ireo miaramila dia ondry 675. 000, 33 omby roa arivo sy fito alina, 34 boriky arivo sy enina alina, 35 ary vehivavy roa arivo sy telo alina izay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lehilahy mihitsy. 36 Ny antsasany izay nohazonin'ireo miaramila dia ondry miisa 337. 000. 37 Ny anjaran'i Yaveh dia ondry 675. 38 Ireo omby dia enina arivo sy telo alina ary roa amby fito-polo no hetran'i Yaveh. 39 30. 500 ny isan'ireo boriky ary iraika amby enim-polo no anjaran'i Yaveh. 40 Enina arivo sy iray alina ireo olona ka roa amby telopolo no hetran'i Yaveh. 41 Nalain'i Mosesy ny hetra izay tokony ho fanatitra atolotra ho an'i Yaveh. Nomeny an'i Eleazara mpisorona izany, araka ny nandidian'i Mosesy. 42 Raha ny amin'ireo antsasaky ny olon'Israely izay nalain'i Mosesy avy amin'ireo miaramila izay nandeha tany an'ady— 43 dia ondry 337. 500, 44 omby enina arivo sy telo alina, 45 boriky 30. 500, 46 ary vehivay enina arivo sy iray alina no an'ny antsasaky ny fianakaviambe. 47 Avy amin'ireo antsasaky ny olon'Israely, dia naka iray isan-dimam-polo i Mosesy, na olona na biby. Nomeny an'ireo Levita izay nikarakara foana ny tabernakelin'i Yaveh ireo, araka ny nandidian'i Yaveh azy mba hatao. 48 Avy eo ireo manam-pahefan'ny tafika, ireo mpifehy ny arivo sy ireo kapitenin'ny zato, tonga tany amin'i Mosesy. 49 Hoy izy ireo taminy hoe: "Nisain'ireo mpanomponao ireo miaramila izay ambanin'ny fifehezanay, ary tsy misy na iray aza tsy ao. 50 Nentinay ny fanatitr'i Yaveh, izay hitan'ny olona tsirairay, fanaka volamena, fehin-tanana sy haba, peratra fanombohan-kase, kavina, ary rojo, mba hanaovana fanavotana ho anay eo anoloan'i Yaveh." 51 Mosesy sy Eleazara dia nandray ny volamena sy ireo fanaky ny asa tanana rehetra avy amin'izy ireo. 52 Ireo volamena rehetra tamin'ny fanatitra izay nomen'izy ireo an'i Yaveh—ireo fanatitra avy amin'ireo mpifehy ny arivo sy avy amin'ireo mpifehy ny zato—dia milanja sekely 16. 750. 53 Ny miaramila tsirairay dia samy naka babo, olona tsirairay ho an'ny tenany. 54 Mosesy sy Eleazara mpisorona dia naka volamena avy amin'ireo mpifehy ny arivo sy ireo kapitenin'ny zato. Nentin'izy ireo tao amin'ny trano-lay fihaonana izany ho fahatsiarovana ny olon'Israely ho an'i Yaveh.
Manasazy ireo Midianita tamin'ny nandresen-dahatra ireo Israelita mba hanompo sampy i Yaveh.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Io dia fomba mihaja mba hanindriana fa efa tonga ny fotoana hahafatesan'i Mosesy ka andeha any amin'ny toerana izay misy ireo razambeny ny fanahiny.
"Omeo fitaovam-piadiana ny sasany amin'ireo lehilahinao"
"handeha hiady amin'ireo Midianita ary hanafay azy ireo tamin'izay nataon'izy ireo tamintsika"
"1.000 ... 12.000"
"lehilahin'Israely maro"
DH: "ny foko tsirairay avy dia nandefa lehilahy 1.000 mba hiady"
Nandefa lehilahy avokoa ny foko 12 rehetra, anisan'izany ny fokon'i Levy. Nandefa lehilahy 1.000 mba hiady izy rehetra ireo.
Ireo dia anaran'ny mpanjakan'ny Midiana.
Beora no rain'i Balama. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:5.
"Nalain'izy ireo ho azy ireo ny fananan'ireo Midianita"
"nandoro ireo tanànan'ny Midianita rehetra izay nipetrahan'ny Midianita sy ireo tobin'ny Midianita rehetra ny tafik'Israely"
"Nalain'ny tafik'Israely"
Io dia manondro ireo fananana materialy izay azon'izy ireo tamin'ny namonoana ireo olona Midianita.
faritra lehibe sy mahitsy
Ireo dia mpitari-tafika izay mibaiko lehilahy mihoatra ny 1.000 fa latsaky ny 10.000.
Ny teny hoe "miaramila" dia efa fantatra. DH: "miaramila arivo...miaramila zato"
Ireo dia mpitari-tafika izay mibaiko lehilahy mihoatra ny 100 fa latsaky ny 1.000.
Ny lalàna dia mazava amin'izay navela ho velona. Nandika ny lalàna tamin'ny namelana ny vehivavy sy zaza rehetra ho velona ny tafika. Io dia fibedesana ireo mpitari-tafika.
Io dia manondro ny fihainona sy ny fahafantarana izay nolazain'ilay niteny tamin'ireo mpihaino.
niray tamin'ny lehilahy
Miresaka amin'ireo mpitarika ny tafik'Israelita momba ny mampadio azy ireo eo anatrehan'Andriamanitra i Mosesy.
Io dia manondro ireo tovovavy izay virijiny.
Manondro ny olona izay niady tao amin'ny ady i Mosesy, fa tsy ireo mpitarika ihany.
Tsy maintsy lasa madio ara-panahy indray mialohan'ny hidirana ao an-toby izy ireo.
DH: "ny zavatra rehetra izay nataon'ny olona tamin'ny hodi-biby, volon'osy, ary hazo"
Mampianatra ireo miaramila ny fomba hahatongavana madio ara-pomba eo anatrehan'i Yaveh aorian'ny handehanana amin'ny ady i Eleazara.
vy izay nampiasaina nandritra izany vanim-potoana izany
"izay tsy ho may"
"ataovy ao anaty afo"
Io dia manondro ny rano izay nafangaron'ny olona tamin'ny lavenona avy amin'ny fanatitra noho ny ota. Jereo ny: 19:17.
Ireo dia fomba hahatongavana madio ara-pomba eo anatrehan'i Yaveh.
DH: "Isao ny fananana rehetra izay nalain'ireo miaramila"
Io dia manondro ny zavatra rehetra nalaina tamin'ny vahoakan'Israely novonoina na babo tamin'ny ady.
"ireo mpitarika ny isam-poko"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
Ny hoe "Ahy" dia manondro an'i Yaveh.
DH: "Angony ny hetra avy amin'ny babon'ireo miaramila ka omeo Ahy izany"
"isaky ny 500"
"amin'ny antsasak'ireo miaramila"
DH: "izay hatolony ho Ahy"
Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh.
"Ary avy amin'ny voaroban'ny vahoakan'Israely"
"isaky ny 50"
ireo izay manara-maso ary mitana ny tabernakely sy ireo sorona ho an'i Yaveh
Io teny io eto dia nampiasaina mba hanamarika fihatoana ao amin'ny vontoatin'ny fampianarana. Eto i Mosesy dia manomboka mitanisa ny fatran'ny babo sy ny habetsak'izay lasan'ireo miaramila, ny vahoaka, ary Yaveh.
"omby 72.000, boriky 61.000, ary vehivavy 32.000"
Io dia manondro ireo vehivavy izay virijiny.
Mitanisa ny babo izay lasan'ireo miaramila sy ny hetra izay lasan'i Yaveh i Mosesy.
DH: "Ny anjara ondrin'ireo miaramila"
36.000
72
Mitanisa ny babo izay lasan'ireo miaramila sy ny hetra izay lasan'i Yaveh i Mosesy.
61
16.000
32
DH: "ho fanatitra ho an'i Yaveh"
Mitanisa ny babo izay lasan'ireo miaramila sy ny hetra izay lasan'i Yaveh i Mosesy.
omby 36.000
"vehivavy 16.000". Efa nambara teo aloha teo fa novonoina ireo lehilahy babo rehetra sy ireo vehivavy babo manambady"
Mitanisa ny babo izay lasan'ireo miaramila sy ny hetra izay lasan'i Yaveh i Mosesy.
Ny hetra amin'ny anjaran'ny olona dia ambony noho ny hetra amin'ny anjaran'ireo miaramila.
Ireo dia mpitari-tafika izay nibaiko mihoatra ny 1.000 lahy nefa latsaky ny 10.000 lahy. Jereo ny nandikanao ny andianteny mitovy amin'izany ao amin'ny 31:13.
Ny teny hoe "miaramila" dia efa fantatra. DH: "ny miaramila arivo...ny miaramila zato"
Ireo dia mpitari-tafika izay nibaiko mihoatra ny 100 lahy nefa latsaky ny 1.000 lahy. Jereo ny nandikanao ny andianteny mitovy amin'izany ao amin'ny 31:13.
Manondro ny tenan'izy ireo amin'ny hoe "mpanomponao" ireo mpitarika. Io dia fomba mihaja hilazana ny olona iray izay manana fahefana lehibe kokoa.
DH: "fantatray tokoa fa ao avokoa ny lehilahy rehetra"
Manohy miresaka amin'i Mosesy ireo manam-pahefana.
Ireo dia karazana firavaka izay anaovan'ny olona.
"mba hisaorana an'Andriamanitra tamin'ny namonjena ny ainay"
"ireo zavatra rehetra vita amin'ny volamena" na "ireo firavaka volamena rehetra"
"Ny volamena rehetra izay nomen'ireo mpitari-tafika an'i Yaveh dia nilanja"
"dimampolo sy fitonjato sy enina arivo sy iray alina"
Ny sekely iray dia 11 grama.
Ny volamena dia hampahatsiahy ny vahoaka fa nanome fandresena azy ireo Yaveh. Hampahatsiahy an'i Yaveh ihany koa izany fa nanatanteraka ny valifatiny tamin'ireo Midianita ny vahoaka.
1 Ary ireo taranak'i Robena sy Gada dia nanana biby fiompy marobe. Rehefa hitan'izy ireo ny tanin'i Jazera sy Gileada, dia toerana mahafinaritra ho an'ireo biby fiompy ilay tany. 2 Dia tonga niresaka tamin'i Mosesy, tamin'i Eleazara mpisorona, ary tamin'ireo mpitarika ny fivondronana ireo taranak'i Gada sy Robena. Hoy izy ireo hoe: 3 "Ity ny lisitr'ireo toerana izay efa nohadihadianay: Atarota, Dibona, Jazera, Nimra, Hesbona, Elale, Sebama, Nebo, ary Beona. 4 Ireo avy ireo tany izay notafihan'i Yaveh teo anoloan'ny fivondronan'Israely, ary toerana tsara ho an'ireo biby fiompy ireo. Izahay, mpanomponao, dia manana biby fiompy maro dia maro." 5 Hoy izy ireo hoe: "Raha mahita sitraka eo imasonao izahay, dia aoka mba homena anay, mpanomponao, mba ho fananana ity tany ity. Aza atao miampita amin'i Jordana izahay." 6 Namaly an'ireo taranak'i Gada sy Robena i Mosesy hoe: "Tokony handeha mba hiady ve ireo rahalahinareo raha ianareo kosa manorim-ponenana eto? 7 Nahoana no hakiviana tsy handeha any amin'ny tany izay nomen'i Yaveh azy ireo ny fon'ireo vahoakan'Israely? 8 Ireo razambenareo dia nanao toy izany zavatra izany rehefa nalefako avy any Kadesi-barnea mba hisafo ny tany izy ireo. 9 Niakatra tany amin'ny Lohasahan'i Eskola izy ireo. Nahita ny tany izy ireo ary avy eo nanakivy ny fon'ireo vahoakan'Israely mba handàvan'izy ireo tsy hiditra ao amin'ny tany izay nomen'i Yaveh azy ireo. 10 Nirehitra ny hatezeran'i Yaveh tamin'io andro io. Nivoady Izy ary nanao hoe: 11 'Azo antoka fa tsy hisy amin'ireo olona izay niakatra avy tany Egypta, manomboka amin'ny roapolo taona no ho miakatra, hahita ny tany izay nianianako tamin'i Abrahama, tamin' Isaka, ary tamin'i Jakoba, satria tsy nanaraka Ahy tanteraka izy ireo, afa-tsy 12 Kaleba zanaka lahin'i Jefone Kenizita, ary Josoa zanaka lahin'i Nona. Kaleba sy Josoa ihany no tena nanaraka Ahy tanteraka.' 13 Ka nirehitra tamin'Israely ny hatezeran'i Yaveh. Nataony nirenireny nanodidina ny tany efitra nandritra ny efapolo taona ka hatramin'ny naha-rava ireo taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imasony izy ireo. 14 Indro, nisandratra teo amin'ny toeran'ny razambenareo ianareo, tahaka ny olona mpanota maro, mba hanampy ny firehetan'ny hatezeran'i Yaveh amin'Israely. 15 Raha mivily amin'ny fanarahana Azy ianareo, dia hamela an'Israely any amin'ny tany efitra indray Izy ary handringana ny vahoakany rehetra ianareo." 16 Koa nanatona teo akaikin'i Mosesy izy ireo ary niteny hoe: "Avelao izahay hanorina fefy ho an'ireo biby fiompinay sy tanàna ho an'ireo ankohonanay eto. 17 Na izany aza, izahay dia ho vonona ary hitam-piadiana mba handeha miaraka amin'ny tafik'Israely mandra-pametrahanay azy ireo amin'ny toeran'izy ireo. Fa ireo ankohonanay kosa dia hipetraka any amin'ireo tanàna voaaro mafy noho ireo vahoaka hafa izay mbola monina amin'ity tany ity. 18 Tsy hiverina any amin'ny fonenanay izahay mandra-pahazoan'ny tsirairay amin'ny vahoakan'Israely ny lovany avy. 19 Tsy handova ny tany miaraka amin'izy ireo any an-dafin'i Jordana izahay, satria ny lovanay dia eto amin'ny lafy atsinanan'i Jordana." 20 Ka namaly azy ireo i Mosesy hoe: "Raha manao izay lazainareo ianareo, raha manomana ny tenanareo handeha eo anatrehan'i Yaveh mba hiady ianareo, 21 ary ny tsirairay amin'ireo lehilahinareo mitam-piadiana dia tsy maintsy miampita an'i Jordana eo anatrehan'i Yaveh, mandra-pandroahany ireo fahavalony tsy ho eo anatrehany 22 ary ny tany dia resy eo anatrehany. Rehefa afaka izany dia afaka miverina ianareo. Ho tsy manan-tsiny manoloana an'i Yaveh sy manoloana an'Israely ianareo. Ity tany ity dia ho fanananareo eo anatrehan'i Yaveh. 23 Fa raha tsy manao izany ianareo, indro, hanota amin'i Yaveh ianareo. Fantaro tsara fa hahita anareo ny helokareo. 24 Manorena tanàna ho an'ireo ankohonanareo ary vala ho an'ireo ondrinareo; avy eo dia ataovy izay nolazainareo." 25 Niresaka tamin'i Mosesy ireo taranak'i Gada sy Robena ary niteny hoe: "Hanao araka izay nandidianao ny mpanomponao, ry tomponay. 26 Ireo zanaka madinikay, ireo vadinay, ireo ondry aman'osinay, ary ireo biby fiompinay rehetra dia hitoetra ao amin'ireo tanànan'i Gileada. 27 Na izany aza, izahay, mpanomponao, dia hiampita eo anatrehan'i Yaveh mba hiady, ny lehilahy rehetra izay mitam-piadiana ho amin'ny ady, araka izay nolazainao, ry tomponay." 28 Koa nanome torolalana mahakasika azy ireo tamin'i Eleazara mpisorona, tamin'i Josoa zanaka lahin'i Nona, ary tamin'ireo mpitarika ireo fokon'ny razambe tao amin'ireo fokon'ny olon'Israely i Mosesy. 29 Hoy i Mosesy tamin'izy ireo hoe: "Raha miampita an'i Jordana miaraka aminareo ireo taranak'i Gada sy Robena, ny lehilahy rehetra izay mitam-piadiana mba hiady eo anatrehan'i Yaveh, ary raha resy eo anatrehanareo ny tany, dia homenareo azy ireo ho fananana ny tanin'i Gileada. 30 Fa raha tsy miampita eo aminareo mitam-piadiana izy ireo, dia any amin'ny tanin'i Kanana izy ireo no hahazo ny fananan'izy ireo eo aminareo." 31 Koa namaly ireo taranak'i Gada sy Robena hoe: "Araka izay nolazain'i Yaveh taminay, mpanomponao, dia izao no ho ataonay. 32 Hiampita mitam-piadiana eo anatrehan'i Yaveh any amin'ny tanin'i Kanana izahay, fa ny lova anjaranay dia hijanona aminay amin'ity lafin'i Jordana ity." 33 Koa nomen'i Mosesy an'ireo taranak'i Gada sy Robena, ary koa an'ny antsasaky ny fokon'i Manase zanak'i Josefa ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'ireo Amorita, sy Oga, mpanjakan'i Basana. Nomeny azy ireo ny tany, ary nozarainy tamin'izy ireo ny tanànan'izany rehetra miaraka amin'ireo faritaniny, dia ireo tanànan'ny tany manodidina ireo. 34 Ireo taranak'i Gada dia namerina nanorina an'i Dibona, Atarota, Aroera, 35 Atrota-sofana, Jazera, Jogbeha, 36 Beti-nimra, ary Beti-harana mba ho tanàna voaaro mafy miaraka amin'ireo vala ho an'ny ondry. 37 Ireo taranak'i Robena dia namerina nanorina an'i Hesbona, Elale, Kiriataima, 38 Nebo, Bala-meona, Sibma—niova ny anaran'ireo taty aoriana. Nomen'izy ireo anarana hafa ireo tanàna izay naverin'izy ireo naorina. 39 Ireo taranak'i Makira zanaka lahin'i Manase dia nankany Gileada ary nanafaka izany tamin'ireo Amorita izay tao amin'izany. 40 Avy eo dia nomen'i Mosesy an'i Makira zanaka lahin'i Manase i Gileada, ary nanorim-ponenana teo ny vahoakany. 41 Nandeha i Jaira zanaka lahin'i Manase ary nambabo ireo renivohitr'izany ka niantso azy ireo hoe: Havota-jaira. 42 Nandeha i Noba ka nambabo an'i Kinata sy ireo zana-bohiny, ary nantsoiny hoe: Noba, araka ny anarany ihany izany.
Io teny io eto dia nampiasaina mba hanamarika fihatoana ao amin'ny vontoatin'ny fizotry ny tantara. Eto i Mosesy dia milaza ny fampahafantarana fototra momba ireo fokon'i Robena sy Gada.
Ireo dia anaran-tanàna.
Manohy miresaka amin'i Mosesy, Eleazara, ary ireo mpitarika hafa ny olona avy amin'i Robena sy Gada.
Ny famelan'i Yaveh an'ireo Israelita mba handresy ny vahoaka izay nonina tao amin'ny tany dia resahina toy ny hoe nandeha teo anoloan'ireo Israelita i Yaveh ka nanafika ny olona. DH: "ireo tany izay namelan'i Yaveh anay mba handresy ny olona izay mipetraka ao"
Ny olona avy amin'ireo fokon'i Robena sy Gada dia manondro ny tenan'izy ireo tahaka izany mba hanehoana fanajana ny olona iray izay manana fahefana ambony kokoa.
Ny andianteny hoe "eo imasonao" dia sarinteny hilazana ireo eritreritra sy hevitra. DH: "Raha mahita sitraka aminao izahay" na "Raha ankasitrahinao izahay"
DH: "omeo anay io tany io"
Te hahazo ny tany atsinanan'ny Reniranon'i Jordana izy ireo raha tokony hiampita ho any andrefana ka haka tany any. DH: "Aza atao miampita an'i Jordana mba haka ny tany amin'iny lafiny iny izahay"
Mametraka io fanontaniana io i Mosesy mba hibedesana ny olona avy amin'ireo fokon'i Gada sy Robena. DH: "Tsy mety ny hitoeranareo amin'ity tany raha mandeha miady kosa ireo rahalahinareo."
Mametraka io fanontaniana io i Mosesy mba hanitsiana ny olona avy amin'ireo fokon'i Gada sy Robena. DH: "Aza manakivy ny fo...ny tany izay nomen'i Yaveh azy ireo ny fon'ireo vahoakan'Israely." na "Ny fihetsikareo aoka tsy hanakivy ny fo...ny tany izay nomen'i Yaveh azy ireo ny fon'ireo vahoakan'Israely."
Eto ny teny hoe "fo" dia manambara ny vahoaka mihitsy ary manondro ny fitoeran'ny fihetseham-pon'izy ireo. DH: "manakivy ny vahoakan'Israely tsy handeha" na "mahatonga ny vahoakan'Israely tsy te handeha"
Manohy miresaka amin'ny olon'i Robena sy Gada i Mosesy.
Io dia anaran-toerana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:23.
Io dia manondro ny fahitana izay tao amin'ilay tany. DH: "Nahita ny olona sy ireo tanàna matanjaka tao amin'ilay tany izy ireo"
Eto ny teny hoe "fo" dia manambara ny vahoaka mihitsy ary manondro ny fitoeran'ny fihetseham-pon'izy ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 32:6. DH: "manakivy ny vahoakan'Israely"
Yaveh lasa tezitra dia resahina toy ny hoe afo izay manomboka mandoro ny hatezerany. DH: "Nanjary tezitra mafy Yaveh"
"tsy nisy tamin'ny vahoaka." Io andianteny io dia manondro ny lehilahy sy vehivavy.
"20 taona no ho mihoatra"
Ny hoe nitokana ho an'i Yaveh sy ny mankatoa Azy dia resahina toy ny hoe nanaraka an'i Yaveh izy ireo. DH: "nankatoa tanteraka Ahy" na "tena nanokan-tena ho Ahy"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia anarana vondron'olona.
Yaveh lasa tezitra dia resahina toy ny hoe afo izay manomboka mandoro ny hatezerany. DH: "Nanjary tezitra mafy tamin'ny Israely Yaveh"
"40 taona"
DH: "nandringana ny taranaka rehetra Izy...teo imasony" na "ny taranaka rehetra...teo imasony dia maty"
Ny hoe eo imason'olona dia midika hoe eo anoloan'izany olona izany izay ahafahany mahita azy. DH: "izay nanao ratsy teo anoloan'i Yaveh" na "izay nanao ratsy teo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
Ny fanaovan'ny vahoakan'i Robena sy Gada zavatra tahaka ny nataon'ireo razambeny dia resahina toy ny hoe nisandratra teo amin'ny toerana izany nanaovan'ireo razambeny izany izy ireo. DH: "efa nanomboka nanao tahaka ireo razambenareo ianareo"
Ny nanaovan'ny vahoaka hahatezitra an'i Yaveh kokoa dia resahina toy ny hoe afo ny hatezerany ary manampy harina betsaka amin'izany afo izany ny vahoaka. DH: "nahatonga an'i Yaveh ho tezitra kokoa tamin'ny Israely aza"
"izany vahoaka manontolo izany" na "izany taranak'olona rehetra izany"
"ho vonona miaraka amin'ny fitaovam-piadiana" na "ho vonona mba hiady"
"ao amin'ireo tanàna voaaro"
Manohy miresaka ireo mpitarik'i Gada sy Robena.
Ny tany izay tokony ho raisina ho fananana maharitra dia resahina toy ny hoe lova izay tokony ho azon'izy ireo izany. DH: "efa naka ny anjara amin'ny tany"
"raha maka ireo fitaovam-piadianareo ianareo"
Midika izany fa handeha hiaraka amin'izy ireo mba hiady sy hamela azy ireo mba handresy ny fahavalon'izy ireo ary haka ny tanin'izy ireo i Yaveh. DH: "eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
"mandra-pandroahan'i Yaveh ireo fahavalony tsy ho eo anatrehany." Ny mpisolo tena rehetra eto dia manondro an'i Yaveh avokoa. Ny famelan'i Yaveh ireo Israelita handresy ny fahavalon'izy ireo dia resahina toy ny hoe miady ny adin'izy ireo i Yaveh. DH: "mandra-pamelan'i Yaveh ireo miaramilanareo handresy ny fahavalo ary hanery azy ireo hiala tsy ho eo anatrehany"
Eto ny teny hoe "tany" dia manondro ny vahoaka izay monina ao. DH: "ary teo anatrehany no nandresen'ny Israelita ny olona izay mipetraka ao amin'ilay tany"
Midika izany fa hiverina any atsinanan'i Jordana izy ireo. DH: "afaka miverina any amin'ilay tany atsinanan'i Jordana ianareo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hanatanteraka ny adidinareo amin'i Yaveh sy amin'ny Israely ianareo" na 2) "Tsy hisy na inona na inona izay ahafahan'i Yaveh sy ny vahoaka hanomezana tsiny anareo."
Ny fahotana dia resahin'i Mosesy toy ny hoe olona izay manameloka ny olo-meloka izany. Midika izany fa tsy afaka handositra ny sazy izay sahaza ny fahotan'izy ireo ny olona. DH: "Fantaro tsara fa hanasazy anareo noho ny fahotanareo Yaveh"
Tondroin'ny olon'i Gada sy Robena amin'ny hoe "mpanomponao" ny tenan'izy ireo. Izany dia fomba mihaja hilazana olona iray izay manana fahefana lehibe kokoa.
Afaka ataonao mazava fa hiampita an'i Jordana izy ireo. DH: "hiampita ny Reniranon'i Jordana"
"niomana mba hiady ny lehilahy rehetra"
"ny lehilahy rehetra izay efa vonona amin'ny fitaovam-piadiany"
Eto ny teny hoe "tany" dia manondro ny vahoaka izay monina ao. DH: "raha mandresy ny olona mipetraka ao amin'ilay tany eo anatrehanareo i Yaveh" na "raha manampy anareo mba handresy ny olona mipetraka ao amin'ilay tany izy ireo"
"dia hahazo ny tany miaraka aminareo any Kanana ireo taranak'i Gada sy Robena"
Afaka hazavainao fa hiampita an'i Jordana izy ireo. DH: "Hiampita an'i Jordana efa vonona hiady izahay"
Ny tany izay raisin'ny olona ho fananana maharitra dia resahina toy ny hoe lova izay ho azon'izy ireo izany. DH: "ny anjara tany izay ho azonay"
Io dia fomba fiteny izay manondro ny fananana. DH: "ho anay"
Ireo dia anarana mpanjaka izay nanapaka fanjakana roa misaraka. DH: "ny fanjakan'i Sihona...ary ny fanjakan'i Oga"
Ireo dia anaran-tanàna.
Ireo dia anaran-tanàna.
DH: "novain'ny olona ny anaran'ireo tanàna ireo taty aoriana"
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany anarana izany tao amin'ny 26:28.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-tanàna.
1 Ireto avy ireo toerana nalehan'ny vahoakan'Israely taorian'ny nandaozan'izy ireo ny tany Egypta tamin'ny antoko mitam-piadian'izy ireo teo ambany fitarihan'i Mosesy sy Arona. 2 Nanoratra ireo toerana niaingan'izy ireo hatramin'izay nandehanan'izy ireo i Mosesy, araka ny nandidian'i Yaveh. Ireto avy ireo dian'izy ireo, ny toerana nifindrafindran'izy ireo. 3 Niainga avy tao Ramesesa izy ireo nandritra ny volana voalohany, tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana voalohany. Ny maraina taorian'ny Paska, dia nandeha malalaka ny vahoakan'Israely, teo imason'ny Egyptiana rehetra. 4 Nitranga izany raha mbola nandevona ny lahimatoan'izy rehetra, ireo izay novonoin'i Yaveh teo amin'izy ireo ny Egyptiana, fa Izy ihany koa dia nampizaka famaizana ny andriamanitr'izy ireo. 5 Niainga tao Ramesesa ny vahoakan'Israely ary nitoby tao Sokota. 6 Niainga tao Sokota izy ireo ary nitoby tao Etama, teny amoron'ny tany efitra. 7 Niainga tao Etama izy ireo ary niverina tao Pi Hahirota, izay ampitan'i Balazefona, izay mifanandrify amin'i Migdola nitobian'izy ireo. 8 Avy eo niainga avy teny ampitan'i Pi Hahirota izy ireo ary nandalo teny afovoan-dranomasina ho any an'efitra. Nandeha nandritra ny telo andro tany an'efitr'i Etama izy ireo ary nitoby tao Mara. 9 Niainga tao Mara izy ireo ary tonga tao Elima. Tao Elima dia nisy loharano roa ambin'ny folo ary hazo rofia fitopolo. Tany no nitobian'izy ireo. 10 Niainga tao Elima izy ireo ary nitoby teny akaikin'ny Ranomasina Mena. 11 Niainga avy tao amin'ny Ranomasina Mena izy ireo ary nitoby tany efitr'i Sina. 12 Niainga avy tao amin'ny tany efitr'i Sina izy ireo ary nitoby tao Dopka. 13 Niainga tao Dopka izy ireo ary nitoby tao Alosy. 14 Niainga avy tao Alosy izy ireo ary nitoby tao Refidima, izay tsy nahitana rano ho sotroin'ny vahoaka. 15 Niainga avy tao Refidima izy ireo ary nitoby tao amin'ny tany efitr'i Sinay. 16 Niainga avy tao amin'ny tany efitr'i Sinay izy ireo ary nitoby tao Kibrota Hatava. 17 Niainga avy tao Kibrota Hatava izy ireo ary nitoby tao Hazerota. 18 Niainga avy tao Hazerota izy ireo ary nitoby tao Ritma. 19 Niainga avy tao Ritma izy ireo ary nitoby tao Rimona Pareza. 20 Niainga avy tao Rimona Pareza izy ireo ary nitoby tao Libna. 21 Niainga avy tao Libna izy ireo ary nitoby tao Risa. 22 Niainga avy tao Risa izy ireo ary nitoby tao Kehelata. 23 Niainga avy tao Kehelata izy ireo ary nitoby tao amin'ny Tendrombohitra Sapera. 24 Niainga avy tao amin'ny Tendrombohitra Sapera izy ireo ary nitoby tao Harada. 25 Niainga avy tao Harada izy ireo ary nitoby tao Makelota. 26 Niainga avy tao Makelota izy ireo ary nitoby tao Tahata. 27 Niainga avy tao Tahata izy ireo ary nitoby tao Tera. 28 Niainga avy tao Tera izy ireo ary nitoby tao Mitka. 29 Niainga avy tao Mitka izy ireo ary nitoby tao Hasmona. 30 Niainga avy tao Hasmona izy ireo ary nitoby tao Moserota. 31 Niainga avy tao Moserota izy ireo ary nitoby tao Bene Jakana. 32 Niainga avy tao Bene Jakana izy ireo ary nitoby tao Hora Hagidgada. 33 Niainga avy tao Hagidgada izy ireo ary nitoby tao Jotbata. 34 Niainga avy tao Jotbata izy ireo ary nitoby tao Abrona 35 Niainga avy tao Abrona izy ireo ary nitoby tao Eziona Gebera. 36 Niainga avy tao Eziona Gebera izy ireo ary nitoby tao Kadesy. 37 Niainga avy tao Kadesy izy ireo ary nitoby tao amin'ny Tendrombohitra Hora, teny amoron'ny tanin'i Edoma. 38 Niakatra teny amin'ny Tendrombohitra Hora i Arona mpisorona araka ny didin'i Yaveh ary maty tany tamin'ny fahefapolo taona taorian'ny nivoahan'ny vahoakan'Israely tao Egypta, tamin'ny fahadimin'ny volana, tamin'ny andro voalohan'ny volana. 39 123 taona Arona tamin'izy maty tany amin'ny tendrombohitra Hora. 40 Ilay Kananita, ilay mpanjakan'i Arada, izay nipetraka tany amin'ny tany efitra atsimo tao amin'ny tanin'i Kanana, dia nandre ny fahatongavan'ny vahoakan'Israely. 41 Niainga avy tao amin'ny Tendrombohitra Hora izy ireo ary nitoby tao Zalmona. 42 Niainga avy tao Zalmona izy ireo ary nitoby tao Ponona. 43 Niainga avy tao Ponona izy ireo ary nitoby tao Obota. 44 Niainga avy tao Obota izy ireo ary nitoby tao Lay Abarima, teny amin'ny sisin-tanin'i Moaba. 45 Niainga avy tao Lay Abarima izy ireo ary nitoby tao Dibon-gada. 46 Niainga avy tao Dibon-gada izy ireo ary nitoby tao Almon-diblataima. 47 Niainga avy tao Almon-diblataima izy ireo ary nitoby tao amin'ny tendrombohitr'i Abarima, tandrifin'i Nebo. 48 Niainga avy tao amin'ny tendrombohitr'i Abarima izy ireo ary nitoby tao amin'ireo tany hain'i Moaba akaikin'i Jordana any Jeriko. 49 Nitoby teo akaikin'i Jordana izy ireo, avy any Beta Jesimota hatrany Abela Sitima tao amin'ireo tany hain'i Moaba. 50 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh teny amin'ny lemak'i Moaba teny akaikin'i Jordana tao Jeriko ary nanao hoe: 51 "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely ary lazao amin'izy ireo hoe: 'Rehefa miampita an'i Jordana ho any amin'ny tany Kanana ianareo, 52 dia tsy maintsy roahinareo eo anatrehanareo ireo mponina rehetra ao amin'ilay tany. Tsy maintsy potehinareo ireo sarin-javatra voasokitra rehetra an'izy ireo ary ravainareo ireo fitoerana avony rehetra. 53 Aoka alainareo ho anareo ny tany ary mipetraha ao amin'izany, satria efa nomeko ho fanananareo ilay tany. 54 Tsy maintsy lovainareo amin'ny alalan'ny loka ny tany, araka ny foko tsirairay avy. Ho an'ny foko lehibe dia tsy maintsy omenareo zara lehibe amin'ny tany, ary ny foko kely dia omenareo ny zara kely amin'ny tany. Na aiza na aiza hilatsahan'ny antsapaka amin'ireo foko tsirairay avy, izany tany izany dia ho azy. Handova ilay tany araka ny fokon'ny razambenareo ianareo. 55 Fa raha tsy voaroakanareo eo anoloanareo ireo mponin'ilay tany, dia ho tonga tahaka ny fitaovana eo amin'ny masonareo ary tsilo eo amin'ny tehezanareo ireo vahoaka izay avelanareo hijanona. Hanasarotra ny fiainanareo eo amin'ny tany izay hipetrahanareo izy ireo. 56 Dia ho ataoko aminareo ihany koa izay kasaiko ho atao amin'ireo vahoaka ireo.'"
"tamin'ny fizaran'ny tafika." Midika izany fa samy nanana ny lehilahiny, izay nitam-piadiana, mba hiaro azy ireo avy ny foko tsirairay. Jereo ny nandikanao ny hoe "antoko mitam-piadiana" ao amin'ny 1:1.
"tamin'ny toerana iray ho amin'ny toerana iray hafa"
Mitanisa ireo toerana izay nandehan'ireo Israelita taorian'ny nialan'izy ireo tany Egypta i Mosesy.
Eto ny hoe "voalohany" dia laharan'isa ary ny hoe "fahadimy ambin'ny folo" dia laharan'isa ho an'ny isa dimy ambin'ny folo. Io dia ny volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahafito dia akaikin'ny fiatombohan'ny Aprily amin'ireo tetiandro Tandrefana.
"niala ary hitan'ireo Egyptiana tsara ny nandehanan'ireo Israelita"
Io dia manondro ny zanaka lahimatoa. DH: "ny zanak'izy ireo lahimatoa"
Ny fanaporofoin'i Yaveh fa mahery noho ireo andriamani-tsy izy izay notompoin'ireo Egyptiana Izy dia resahina toy ny hoe nanafay ireo andriamani-tsy izy ireo Yaveh. DH: "noporofoiny ihany koa fa lehibe noho ny andriamanitr'izy ireo Izy"
Mitanisa ireo toerana izay nandehan'ireo Israelita taorian'ny nialan'izy ireo tany Egypta i Mosesy.
"niala tao"
"teo amin'ny sisin'ny tany efitra"
Mitanisa ireo toerana izay nandehan'ireo Israelita taorian'ny nialan'izy ireo tany Egypta i Mosesy.
Io dia manondro ny fotoana izay nizaran'i Yaveh ny Ranomasina Mena mba ahafahan'ireo Israelita mandositra ny tafika Egyptiana.
"loharano 12...hazo rofia 70"
Mitanisa ireo toerana izay nandehan'ireo Israelita taorian'ny nialan'izy ireo tany Egypta i Mosesy.
DH: "izay tsy nahitan'ny olona rano ho sotroina"
Mitanisa ireo toerana izay nandehan'ireo Israelita taorian'ny nialan'izy ireo tany Egypta i Mosesy.
Mitanisa ireo toerana izay nandehan'ireo Israelita taorian'ny nialan'izy ireo tany Egypta i Mosesy.
Mitanisa ireo toerana izay nandehan'ireo Israelita taorian'ny nialan'izy ireo tany Egypta i Mosesy.
Mitanisa ireo toerana izay nandehan'ireo Israelita taorian'ny nialan'izy ireo tany Egypta i Mosesy.
Mitanisa ireo toerana izay nandehan'ireo Israelita taorian'ny nialan'izy ireo tany Egypta i Mosesy.
Mitanisa ireo toerana izay nandehan'ireo Israelita taorian'ny nialan'izy ireo tany Egypta i Mosesy.
Eto ny hoe "fahefapolo'' dia laharan'isa ho an'ny efapolo. DH: "40 taona taorian'ny"
Eto ny hoe "fahadimy" dia laharan'isa ho an'ny dimy. Ny hoe "voalohany" dia laharan'isa ho an'ny iray. Izany dia ny volana fahadimy amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro voalohany dia akaikin'ny fisasahan'ny Jolay amin'ny tetiandro Tandrefana.
"Ilay Kananita mpanjakan'i Arada"
Io dia anaran-tanànan'ny Kananita.
"nandre fa tonga ny vahoakan'Israely"
Mitanisa ireo toerana izay nandehan'ireo Israelita taorian'ny nialan'izy ireo tany Egypta i Mosesy.
Mitanisa ireo toerana izay nandehan'ireo Israelita taorian'ny nialan'izy ireo tany Egypta i Mosesy.
Mitanisa ireo toerana izay nandehan'ireo Israelita taorian'ny nialan'izy ireo tany Egypta i Mosesy.
faritra lehibe izay tany mahitsy
"poteho avokoa ireo toerana avony rehetra"
Manohy milaza amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Ny fanambaràn'ireo Israelita ny tany ho fananan'izy ireo maharitra dia resahina toy ny hoe nandova ny tany izy ireo.
"Ny foko tsirairay avy dia hahazo tany araka izay hilatsahan'ny antsapaka eo"
Manohy milaza amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Tahaka ny zavatra kely eo amin'ny mason'ny olona na tsilo kely izay mipetaka eo amin'ny hoditry ny olona izay mety mahatonga fahavinirana lehibe mihitsy, koa na dia ny anjara kelin'ireo Kananita aza, raha tavela ao amin'ilay tany izany, dia hahatonga korontana lehibe ho an'ireo Israelita.
1 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe: 2 "Didio ny vahoakan'Israely ary lazao izy ireo hoe: 'Rehefa hiditra ny tany Kanana ianareo, ilay tany izay ho anareo, ny tany Kanana sy ny faritry ny taniny, 3 hihitatra hatrany an'efitr'i Zina manaraka ny sisin'i Edoma ny atsimonareo. Ny sisiny atsinanana amin'ny sisiny atsimo dia ho eo amin'ny tsipika izay mifarana ao amin'ny fiafarana atsimon'ny Ranomasina Sira. 4 Ny fari-taninareo dia hihodina mianatsimon'ny havoan'i Akrabima ary mandeha mamakivaky ny efitr'i Zina. Avy any, no mandeha mianatsimon'i Kadesi-barnea izany ary mitohy mankany Hazara-adara ary mankany Azmona. 5 Avy any, ny sisin-tany dia hiolaka avy ao Azmona mankany amin'ny lohasahan-driak'i Egypta ka manaraka izany hatrany an-dranomasina. 6 Ny morontsiraka andrefana no ho sisin-tanin'ny Ranomasina Lehibe. Io no ho fari-tany andrefanareo. 7 Ny fari-taninareo avaratra hihitatra manaraka ny tsipika izay havahanareo hatrany amin'ny Ranomasina Lehibe ka hatrany amin'ny Tendrombohitra Hora, 8 ary koa avy any amin'ny Tendrombohitra Hora ka hatrany Lebo-hamata, avy eo dia hatrany Zedada. 9 Avy eo ny fari-tany hitohy hatrany Zifrona ka mifarana ao Hazar-Enana. Izany no ho fari-tany avaratrareo. 10 Avy eo mariho ny fari-taninao atsinanana hatrany Hazar-enana atsimo ka hatrany Sefama. 11 Aorian'izany ny fari-tany atsinanana hidina avy any Sefama ka hatrany Ribla, ao amin'ny faritra atsinanan'i Aina. Ny fari-tany hitohy manaraka ny faritra atsinanan'ny Ranomasina Kinereta. 12 Avy eo ny fari-tany dia hitohy mianatsimo manaraka ny Ony Jordana ka hatrany amin'ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo, manaraka ny sisiny manodidina rehetra.'" 13 Dia nandidy ny vahoakan'Israely i Mosesy ary nanao hoe: "Ity no tany izay ho azonareo amin'ny filokana, izay efa nodidian'i Yaveh homena ho an'ireo foko sivy sy ny atsasaky ny foko. 14 Ny fokon'ny taranak'i Robena, araka ny fanendrem-pananana ho an'ny fokon-drazan'izy ireo, ary ny fokon'ny taranak'i Gada, araka ny fanendrem-pananana ho an'ny fokon-drazan'izy ireo, ary ny antsasa-pokon'i Manase rehetra efa nandray ny tanin'izy ireo. 15 Ireo foko roa sy ny antsasa-poko efa nandray ny anjara-tany any an-dafin'ny Jordana miatsinanana an'i Jeriko, manandrify ny fiposahan'ny masoandro." 16 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe: 17 "Ireto avy ny anaran'ireo lehilahy izay hizara ny tanin'ny lovanareo: Eleazara mpisorona sy Josoa zanak'i Nona. 18 Aoka ianao hifidy mpitarika iray avy isaky ny foko mba hizara ny tany ho an'ny fianakaviamben'izy ireo. 19 Ireto avy anaran'ireo lehilahy ireo: Avy amin'ny fokon'i Joda, dia Kaleba zanak'i Jefone. 20 Avy amin'ny fokon'ny taranak'i Simeona, dia Semoela zanak'i Amihoda. 21 Avy amin'ny fokon'i Benjamina, dia Elidada zanak'i Kislona. 22 Avy amin'ny fokon'ny taranak'i Dana mpitarika iray, dia Boky zanak'i Jogly. 23 Avy amin'ny taranak'i Josefa, avy amin'ny fokon'ny taranak'i Manase mpitarika iray, dia Haniela zanak'i Efoda. 24 Avy amin'ny fokon'ny taranak'i Efraima mpitarika iray, dia Kemoela zanak'i Siftana. 25 Avy amin'ny fokon'ny taranak'i Zebolona mpitarika iray, dia Elifaza zanak'i Parnaka. 26 Avy amin'ny fokon'ny taranak'Isakara mpitarika iray, dia Paltiela zanak'i Azana. 27 Avy amin'ny fokon'ny taranak'i Asera mpitarika iray, dia Ahihody zanak'i Selomy. 28 Avy amin'ny fokon'ny taranak'i Naftaly mpitarika iray, dia Pedahela zanak'i Amihoda." 29 Yaveh nandidy ireo lehilahy ireo mba hizara ny tany Kanana sy hanome ny isam-pokon'Israely ny anjaran'izy ireo.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 33:11 ihany io andianteny io.
Manohy milaza amin'i Mosesy izay misy ny faritry ny tany izay homeny ireo Israelita i Yaveh.
Manohy milaza amin'i Mosesy izay misy ny faritry ny tany izay homeny an'ireo Israelita i Yaveh.
Manohy milaza amin'i Mosesy izay misy ny faritry ny tany izay homeny an'ireo Israelita i Yaveh.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 20:22 io.
Manohy milaza amin'i Mosesy izay misy ny faritry ny tany izay homeny an'ireo Israelita i Yaveh.
Io dia midika hoe ny sisan'ireo fokon'Israely izay mipetraka any andrefan'ny Reniranon'i Jordana ao amin'ny tany Kanana. Ireo fokon'i Robena sy Gada ary ny antsasa-pokon'i Manase dia efa nandray ny tanin'izy ireo tany atsinanan'ny Reniranon'i Jordana.
"araka ny fomba nanendren'i Yaveh ny fananana ho an'ny fokon'ireo razamben'izy ireo"
"Ireo fokon'i Robena sy Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase"
Eto ny hoe "-nareo" dia manondro ny vahoakan'Israely. Ireo lehilahy ireo dia hanao loka mba hizarana ny tany. Dia hizara izany amin'ireo foko izy ireo.
Ity no lisitry ny lehilahy izay hanampy mba hizara ny tany eo amin'ireo foko.
Ity no manohy ny lisitry ny lehilahy izay hanampy mba hizara ny tany eo amin'ireo foko.
Ity no manohy ny lisitry ny lehilahy izay hanampy mba hizara ny tany eo amin'ireo foko.
Ity no mamarana ny lisitry ny lehilahy izay hanampy mba hizara ny tany eo amin'ireo foko.
1 Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy teo amin'ny tany hain'i Moaba teo akaikin'ny Jordana tao Jeriko ka nanao hoe: 2 "Mandidia ny vahoakan'ny Israely mba hanome ny sasany amin'ireo zara-taniny ho an'ireo Levita. Aoka hanome azy ireo tanàna mba honenany sy tany firaofam-bilona manodidina ireo tanàna ireo izy ireo. 3 Hahazo izany tanàna izany mba ho fonenany ireo Levita. Ny firaofam-bilona dia ho an'ny biby fiompiny, ny ondry aman'osiny, ary ireo bibiny rehetra. 4 Ny firaofam-bilona manodidina ny tanàna izay homenao ireo Levita dia hihitatra arivo hakiho manomboka eo amin'ny mandan'ny tanàna isaky ny lalana rehetra. 5 Handrefy roa arivo hakiho eo ivelan'ny tanàna amin'ny lafiny atsinanana ianao, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny atsimo, roa arivo hakiho amin'ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny avaratra. Ho firaofam-bilona ho an'ireo tanànany izany. Ny tanàna dia ho eo afovoany. 6 Ny enina amin'ireo tanàna izay homenao ireo Levita dia atokana ho tanàna fialofana. Aoka homenareo ho toerana hahafahan'ireo olona izay namono olona mandositra ireo. Hanome tanàna roa amby efa-polo hafa ihany koa. 7 Ny tanàna izay nomenao ireo Levita dia hiisa valo amby efa-polo. Aoka homenao azy ireo miaraka amin'ny firaofam-bilony izany. 8 Ny foko lehiben'ny vahoakan'Israely, ny foko izay manana tany bebe kokoa, dia tsy maintsy hanome tanàna bebe kokoa. Ny foko kely hanome tanàna kely. Ny foko tsirairay dia tsy maintsy hamatsy ho an'ireo Levita araka ny fizarana izay efa noraisiny avy." 9 Dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe: 10 "Mitenena amin'ireo vahoakan'ny Israely ary lazao azy ireo hoe: 'Rehefa miampita eo amin'i Jordana ho any amin'ny tany Kanana ianareo, 11 dia aoka hifidy tanàna hanompo toy ny tanàna fialofana ho anao, toerana handosirana ho an'izay namono olona tsy nahy. 12 Ho fialofana ho anareo amin'ny mpamaly faty izany tanàna izany, mba tsy ho faty mandra-pitsangany hotsaraina eo anoloan'ny fiaraha-monina ny voapanga. 13 Aoka hifidy tanàna enina ho tanàna fialofana ianareo. 14 Tsy maintsy manome tanàna telo ao an-dafin'i Jordana sy tanàna telo ao amin'ny tany Kanana ianareo. Ho tanàna fialofana ireo. 15 Ho an'ireo vahoakan'ny Israely, ho an'ireo vahiny, ho an'izay monina eo aminareo, ireo tanàna enina ireo dia hatokana ho fialofana ho an'izay rehetra namono olona tsy nahy mandositr. 16 Fa raha namely ny lasibany tamin'ny fitaovana vy ilay olona voapanga, ary raha maty ilay lasibany, dia ho mpamono olona tokoa ilay voapanga. Aoka ho atao maty tokoa izy. 17 Raha namely ny lasibany tamin'ny vato teny an-tanany izay mety hahafaty ilay voapanga, ary raha maty ilay lasibany, dia ho mpamono olona tokoa ilay voapanga. Ho atao maty tokoa izy. 18 Raha namely ny lasibany tamin'ny fitaovam-piadina hazo izay hahafaty azy ilay voapanga, ary maty ilay lasibany, dia ho mpamono olona tokoa ilay voapanga. Ho vonoina tokoa izy. 19 Ny mpamaly rà dia mety hamono ilay mpamono olona. Rehefa mifanena aminy izy, dia hamono azy ilay mpamaly rà. 20 Raha mamely ny hafa amin'ny fankahalana na manipy zavatra aminy izy, raha miafina mba hanotrika hamely azy, dia ho faty ilay lasibany, 21 na raha mamely azy amin'ny fankahalana amin'ny tanany ka mahafaty ilay lasibatra dia ho vonoina tokoa ilay voapanga izay namely azy. Mpamono olona izy. Ny mpamaly rà dia hamono ilay mpamono olona rehefa mifanena aminy izy. 22 Fa raha mamely ny lasibatra tampoka ny olona voapanga ka tsy nisy fanomanana mialoha nohon'ny fankahalana na mitoraka zavatra izay hamely ilay lasibatra ka tsy niandriandry nanotrika 23 na raha mitoraka vato izay mety hahafaty ilay lasibatra nefa tsy hitany ilay lasibatra, dia tsy ho fahavalon'ilay lasibatra ilay voapanga; tsy nitady handratra ilay niharam-boina izy. Fa toy izao no atao rehefa maty ilay lasibatra. 24 Amin'izany toe-javatra izany, dia hitsara ilay voapanga sy ny mpamaly rà amin'ny fototr'ireo lalàna ireo ny fiarahamonina. 25 Tsy maintsy mamonjy ilay voapanga amin'ny fahefan'ilay mpamaly rà ny fiaraha-monina. Ny fiaraha-monina dia tsy maintsy hamerina ny voapanga any amin'ny tanàna fialofana izay nandosirany tany am-boalohany. Honina any izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe amin'izany fotoana, ilay tokana izay voahosotra tamin'ny diloilo masina. 26 Fa raha mivoaka amin'ny fotoana rehetra mihoatra ny faritr'ilay tanàna fialofana ho any amin'izay nandosirany ny voapanga, 27 ary raha hitan'ny ny mpamaly rà any ivelan'ny faritry ny tanàna fialofany, ary raha mamono ilay olona voapanga izy, ny mpamaly rà dia tsy ho melohina ho mpamono olona. 28 Izany dia nohon'ny tokony nitoeran'ny olona voapanga teo amin'ny tanàna fialofany mandra-pahafatin'ny mpisorona be. Aorian'ny fahafatesan'ny mpisorona be, ilay voapanga dia hiverina any amin'ny tany izay misy ny fananany manokana. 29 Izany lalàna izany dia ho lalàna ho anareo amin'ny taranaky ny vahoaka rehetra any amin'ny toerana rehetra izay honenanareo. 30 Na iza na iza mamono olona, ny mpamono olona dia hovonoina, araka ny voamarin'ny tenin'ireo vavolombelona. Fa tenin'ny vavolombelona iray monja dia tsy afaka ny hahatonga ny olona iray ho vonoina ho faty. 31 Ary koa, aoka tsy hanaiky ny vidim-panavotana ho an'ny ain'ny mpamono olona izay meloka nohon'ny famonoan'olona ianareo. Tsy maintsy vonoina tokoa izy. 32 Aoka tsy hanaiky ny vidim-panavotana ho an'ny olona izay mandositra any amin'ny tanàna fialofana ianareo. Aoka tsy ho amin'izany fomba izany no hamelanao azy honina ao amin'ny fitoerany mandra-pahafatin'ny mpisorona be. 33 Aza lotoina amin'izany fomba izany ny tany izay onenanao, satria ny ràn'ny mpamono olona no mandoto ny tany. Tsy misy fanavotana ho an'ny tany rehefa latsaka amin'ny tany ny rà, afa-tsy amin'ny ràn'izay nandatsaka izany. 34 Ary aoka tsy handoto ny tany izay onenanareo ianareo satria monina ao amin'izany Aho. Izaho, Yaveh, dia monina eo amin'ny vahoakan'ny Israely.'"
faritra lehibe izay tany mahitsy
Tsy nanome tany ho an'ireo Levita i Yaveh, ka tsy maintsy hipetraka ao amin'ireo tanàna izay an'ireo foko hafa izy ireo.
tany izay hamahanana ahitra ireo biby fiompy
"1.000 hakiho." Raha ilaina ny mampiasa ny mari-pandrefesana halavirana amin'izao fotoana izao, dia ity no fomba hanaovana izany. DH: "457 metatra"
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"2.000 hakiho." Ny iray hakiho dia 46 santimetatra.
Io dia manondro ny olona izay namono olona, nefa tsy mbola voafaritra na namono olona tsy nahy izy ireo na loza tampoka.
"42 ... 48"
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"loza tampoka"
Io dia manondro ny havana akaiky izay mitady hamaly faty amin'ny famonoana ilay voampanga.
DH: "mba tsy hisy olona hamono ilay voampanga alohan'ny hitsaran'ny fivondronana azy eo amin'ny fitsarana.
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
DH: "Tsy maintsy vonoinao tokoa izy"
Eto ny teny hoe "rà" dia sarinteny hilazana ny famonoana. DH: "Ny olona izay mamaly faty ny mpamono olona" na "Ny havana izay mitady hamaly faty"
DH: "tsy maintsy hamono ny voampanga tokoa ny havana" na "tsy maintsy maty ilay voampanga"
"ka tsy nanomana izany tamim-pankahalana mialohan'ny fotoana"
Ny olona izay mitady lalana hanisiana ratsy olon-kafa am-panahy iniana dia resahina toy ny hoe miafina mba hanotrika izany olon-kafa izany ilay olona. DH: " ka niezaka ny hanisy ratsy tsy nahy ilay lasibatra"
Eto ny teny hoe "rà" dia sarinteny hilazana ny famonoana. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 35:19. DH: "Ny olona izay mamaly faty ny mpamono olona" na "Ny havana izay mitady hamaly faty"
Midika izany fa raha mitsara ny fiarahamonina fa loza tampoka ilay fahafatesana dia tsy maintsy hamonjy ny voampanga amin'ny havana izay te hamono azy izy ireo. Raha mitsara ny fiarahamonina fa ny fahafatesana dia tsy loza tampoka, dia tsy maintsy hamono ilay voampanga ny havana.
DH: ilay iray izay nosoranao tamin'ny diloilo masina"
Eto ny teny hoe "rà" dia sarinteny hilazana ny famonoana. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 35:19. DH: "Ny olona izay mamaly faty ny mpamono olona" na "Ny havana izay mitady hamaly faty"
Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.
"ary ny taranakao rehetra izay hiaina ao aorianao"
DH: "tsy maintsy vonoin'ny olona ny mpamono olona"
DH: "araka ny fijorona vavolombelon'ny vavolombelona" na "araka ny nohamarinin'ireo vavolombelona ny amin'ilay mpamono olona"
Ny fanamarinan'ny vavolombelona iray dia tsy ampy hamonoana olona ny amin'ny famonoana olona. DH: "Nefa ny tenin'ny olona iray monja dia tsy ampy mba hamonoanao olona iray"
DH: "Tsy maintsy mamono azy ianao"
Midika izany fa niala tao amin'ny tanàna fialofana ary nody ilay olona. DH: "Aoka tsy...hamelanao hiala ao amin'ny tanàna fialofana izy ka hody mba hipetraka ao amin'ny tranony"
"tamin'ny fanekena ny vidim-panavotana"
Ny fanaovana ny tany ho tsy eken'i Yaveh dia resahina toy ny hoe fandotoana ny tany ara-batana izany. DH: "Aza manao ny tany izay honenanareo ho tsy ekeko amin'izany fomba izany, satria avy amin'ny famonoana olona no mahatonga ny tany ho tsy ekeko"
Midika izany hoe amin'ny tsy fankatoavana ireo lalàna mahakasika ny olona iray izay mamono olona.
Io dia manondro ny fotoana izay amonoin'ny olona iray olon-kafa. DH: "Rehefa misy olona mandatsa-drà ao amin'ny tany, dia ny famonoana ilay mpamono olona ihany no afaka hanaovana fanavotana ho an'ny tany"
1 Ary ireo mpitarika ny fianakavian-drazamben'ny fianakaviam-ben'i Gileada zanak'i Makira (izay zanak'i Manase), izay avy amin'ireo fokon'ny taranak'i Josefa, dia tonga ka niteny teo anoloan'i Mosesy sy teo anoloan'ireo mpitarika izay lohan'ny fianakavian-drazamben'ny vahoakan'ny Israely. 2 Hoy izy ireo: "Yaveh no nandidy anao, ry tomponay, mba hanome anjara tany ho an'ny vahoakan'ny Israely amin'ny filokana. Nodidian'i Yaveh ianao mba hanome ny anjaran'i Zelofada rahalahinay ho an'ireo zanany vavy. 3 Nefa raha manambady lehilahy avy amin'ny fokon'ny vahoakan'ny Israely hafa ireo zanany vavy, dia hesorina tsy ho anjaran'ny razambentsika ny anjaran'izy ireo. Hanampy ny anjaran'ireo foko izay andehanan'izy ireo izany. Amin'izany, dia hesorina tsy ho anjara voatendry ho lovantsika izany. 4 Amin'izany, rehefa tonga ny taon-Jobilin'ny vahoakan'ny Israely, dia hikambana amin'ny anjaran'ny foko izay nandehanan'izy ireo ny anjarany. Ka izany, no hanalana ny anjaran'izy ireo amin'ny anjaran'ny fokon-drazambentsika. 5 Dia nanome baiko ny vahoakan'ny Israely, tamin'ny tenin'i Yaveh i Mosesy. Hoy izy: "Marina ny voalazan'ny fokon'ny taranak'i Josefa. 6 Izany no andidian'i Yaveh mahakasika ireo zanaka vavin'i Zelofada. Hoy Izy: 'Avelao izy ireo hanambady izay heveriny fa tsara, nefa hanambady izay ao amin'ny fokon-drainy ihany izy ireo.' 7 Tsy misy anjaran'ny vahoakan'ny Israely hiova foko ho amin'ny foko hafa. Ny tsirairay amin'ny vahoakan'ny Israely dia hitana ny anjaran'ny fokon-drazambeny. 8 Ny vehivavin'ny vahoakan'ny Israely tsirairay izay manan-jara ao amin'ny fokony dia tsy maintsy manambady olona avy amin'ireo fianakaviamben'ny fokon-drainy. Izany dia mba hananan'ny tsirairay amin'ny vahoakan'ny Israely lova avy amin'ireo razambeny. 9 Tsy tokony hisy anjara hifindra tanana ho an'ny foko hafa. Ny olon-drehetra amin'ireo fokon'ny vahoakan'ny Israely dia hitana ny lovany ihany." 10 Dia nanao araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ireo zanakavavin'i Zelofad. 11 Mahala, Tirza, Hogla, Milka, ary Noa, ireo zanakavavin'i Zelofada, dia nanambady ny taranak'i Manase. 12 Nanambady tao amin'ireo fianakaviamben'ireo taranak'i Manase zanak'i Josefa izy ireo. Ka izany, no nitoeran'ny lovan'izy ireo tao amin'ny foko izay an'ireo fianakaviamben-drain'izy ireo. 13 Ireo no didy sy lalàna izay nomen'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy ho an'ny vahoakan'ny Israely teo amin'ireo lemak'i Moaba amoron'i Jordana tao Jeriko.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 26:28 io anaran-dehilahy io.
DH: "Yaveh no nandidy anao"
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 26:33 io anaran-dehilahy io.
DH: "tsy ho anjaran'ny razambentsika intsony"
DH: "ho an'ny...izany"
DH: "tsy ho anisan'ny lovantsika intsony izany"
Io dia manondro ny fankalazana izay atao indray mandeha isaky ny dimampolo taona. Amin'izany fankalazana izany, ny tany izay novarotan'ny olona na namidy dia tsy maintsy miverina amin'ny tena tompony voalohany indrindra ihany.
DH: "ny anjarany dia ho an'ny"
DH: "haka ny anjara-tanin'ny fokontsika izy ireo"
"araka izay nolazain'i Yaveh"
DH: "Aoka izy ireo hanambady izay tiany"
DH: "nefa afaka manambady olona avy amin'ny fokon-drain'izy ireo ihany izy ireo"
Ny teny hoe "anjara" dia manambara ny zara-tanin'ny olona izay noraisin'ny foko tsirairay avy ho lova. DH: "Tsy misy zara-tany"
"izay manana anjara-tany ao amin'ny fokony"
Ny tany izay ananan'ny foko tsirairay avy dia resahina toy ny hoe lova izay noraisin'izy ireo izany.
Ny famindrana fananana avy amin'ny foko iray ho amin'ny foko iray hafa dia resahina toy ny hoe niampita avy amin'ny tanan'olona iray ho amin'ny tanan'olona iray hafa ny fananana. DH: "Tsy misy olona afaka mamindra ny fananana izay anjara-tany avy amin'ny foko iray ho amin'ny hafa"
Ireo dia anaram-behivavy. Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 26:33 io anaran-dehilahy io.
Ny tany izay nananan'ireo zanakavavin'i Zelofada dia resahina toy ny hoe lova izay noraisin'izy ireo izany. DH: "ireo tany izay noraisin'izy ireo ho lova"
faritra lehibe izay tany mahitsy
1 Toy izao ireo teny izay nolazain'i Mosesy tamin' Israely rehetra tany an-dafin'i Jordana tany an'efitra, teny amin'ny lemaky ny lohasahan-driakan'ny onin'i Jordana tandrifin'i Sofa, teo anelanelan'i Parana, Tofela, Labana, Hazerota, ary Dizahaba. 2 Lalana iraika ambin'ny folo andro avy any Horeba mandalo ny tendrombohitra Seira hatrany Kadesa-Barnea izany. 3 Tamin'ny taona faha-efa-polo, faha-iraika ambin'ny folon'ny volana, andro voalohan'ny volana, dia niresaka tamin'ireo vahoakan'Israely i Mosesy, nilaza tamin'izy ireo izay rehetra nandidian'i Yaveh ny mahakasika azy ireo. 4 Izany dia taorian'ny nanafihan'i Yaveh an'i Sihona mpanjakan'ireo Amorita, izay nipetraka tao Hesbona, sy Oga mpanjakan'i Basana, izay nipetraka tao Astarta tany Edrehy. 5 Tany an-dafin'i Jordana, tao amin'ny tanin'i Moaba, i Mosesy no nanomboka nanambara ireo lalàn'Andriamanitra, manao hoe: 6 "Niresaka tamintsika tany Horeba i Yaveh Andriamanitsika, manao hoe: 'Efa nipetraka naharitra teto amin'ity tendrombohitra ity ianareo. 7 Tohizo indray ny dianareo, ary mandehana any amin'ny tendrombohitr'ireo Amorita sy any amin'ireo toerana rehetra eny amin'ny lemaky ny lohasahan-driakan'ny Reniranon'i Jordana, eny amin'ny tendrombohitra, eny amin'ny faritra iva, ao Negreva, sy eny amorontsiraka—eny amin'ny tany Kananita, sy any Lebanona hatrany amin'ny loharano lehibe, dia Eofrata. 8 Indro, efa nomeko anareo ny tany; mandehana ao ary lovao ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambenareo— tamin'i Abrahama, tamin'Isaka, ary tamin'i Jakoba—fa omena azy ireo sy ireo taranany ao aoriany.' 9 Niresaka taminareo aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: 'Tsy zakako irery ianareo. 10 Efa nampitomboan'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, ary, indro, ankehitriny ianareo dia maro toy ny kintana eny an-danitra. 11 Yaveh, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo arivo eny ny habetsahanareo amin'izao, ary hitahy anareo, araky ny efa nampanantenainy anareo! 12 Fa amin'ny fomba ahoana no hilanjako irery ny vesatrareo, ny enta-mavesatrareo, ary ny fifandiranareo? 13 Mangalà lehilahy hendry, lehilahy manam-pahalalana, ary lehilahy manan-daza amin'ny tsara isaky ny foko, ary hataoko ho lohanareo izy ireo.' 14 Namaly ahy ianareo ary niteny hoe: 'Ny zavatra izay nolazainao dia tsara ho ataonay' 15 Koa dia nalaiko ireo lohany eo amin'ny fokonareo, dia ireo lehilahy hendry, sy lehilahy manan-daza tsara, ka hanao azy ireo ho lohanareo, mpifehy ny arivo, mpifehy ny zato, mpifehy ny dimam-polo, mpifehy ny folo, ary manamboninahitra, isaky ny foko. 16 Nandidy ireo mpitsara anareo aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: 'Henoy ny fifamaliana eo amin'ireo rahalahinareo, ary mitsarà am-pahamarinana manoloana ny olona sy ny rahalahiny, ary ireo vahiny izay miaraka aminy. 17 Tsy hampiseho fitanilànana na amin'iza na iza anaty fifandirana ianareo; hihaino ireo madinika ary hihaino ireo lehibe ihany koa ianareo. Tsy hatahotra ny endriky ny olona ianareo, satria an'Andriamanitra ny fitsarana. Ny fifandirana izay sarotra ho anareo, dia ho entinareo eto amiko, ka ho renesiko izany.' 18 Tamin'izany fotoana izany aho dia nandidy anareo ireo zavatra rehetra tokony hataonareo. 19 Niala avy any Horeba isika ary nandeha nanerana ny efitra lehibe sy mampitahotra izay hitanareo, teny amin'ny lalanareo ho any amin'ny tendrombohitr'ireo Amorita, araky ny nandidian'i Yaveh Andriamanitsika antsika; ka tonga tao Kadesi-Barnea isika. 20 Hoy aho taminareo hoe: 'Tonga ety amin'ny tany havoanan'ireo Amorita isika, izay omen'i Yaveh Andriamanitsika ho antsika. 21 Indro, Yaveh Andriamanitrao dia efa nametraka ny tany manoloana anao; mandehana, mandovà, araka ny efa nolazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambenao taminao; aza matahotra na koa kivy.' 22 Ianareo tsirairay avy dia nanatona ahy ary niteny hoe: 'Andao isika handefa lehilahy hialoha lalana antsika, mba hitadiavan'izy ireo ilay tany ho antsika, ary hitondra tatitra momba ny fomba hanafihantsika, sy momba ireo tanàna handehanantsika.' 23 Nahafinaritra ahy ilay torohevitra; naka lehilahy roa ambin'ny folo teo aminareo aho, lehilahy iray isaky ny foko. 24 Nitodi-doha izy ireo ary niakatra ho eny amin'ilay tanàna eny an-tendrombohitra, tonga tao amin'ny Lohasahan'i Eskola, ary nanao fisafoana tao. 25 Naka ny sasan-tsasany tamin'ireo vokatra teo amin'ilay tany teny an-tanany izy ireo ary nitondra izany teo aminay. Nitondra teny ho anay koa izy ireo ka nanao hoe: 'Tany tsara izay omen'i Yaveh Andriamanintsika ho antsika izany.' 26 Kanefa ianareo nandà ny hanafika, fa nikomy nanohitra ny didin'i Yaveh Andriamanitrareo. 27 Nitaraina tao anaty lainareo ianareo ary niteny hoe: "Satria halan'i Yaveh isika dia nentiny nivoaka ny tany Egypta, mba hanolotra antsika eny am-pelatanan'ireo Amorita mba hamotika antsika. 28 Aiza no azontsika aleha ankehitriny? Ny fontsika dia efa nampitahorin'ireo rahalahintsika hoe: 'Ngeza sady lava noho isika ireo vahoaka ireo; lehibe sy voaaro mafy manakatra ny lanitra ny tanànan'izy ireo; fanampin'izay, efa hitantsika tany ireo zanaky ny Anakita.'" 29 Dia hoy aho taminao hoe: 'Aza mihorohoro, na koa matahotra azy ireo. 30 Yaveh Andriamanitrao, izay nandeha mialoha anao, dia hiady ho anao, tahaka ireo zavatra rehetra izay efa nataony teo imasonao ho anao tao Egypta, 31 ary koa tany an'efitra, izay nahitanao ny fomba nikarakaran'i Yaveh Andriamanitrao anao, toy ny ikarakaran'ny lehilahy iray ny zanany lahy, na taiza na taiza nalehanao mandra-pahatonganao teto amin'ity toerana ity.' 32 Kanefa na dia teo aza izany teny izany dia tsy nino an'i Yaveh Andriamanitrareo, 33 izay nialoha lalana anareo mba hitady toerana hitobianareo ianareo, tamin'ny afon'ny alina ary tamin'ny rahon'ny andro. 34 Ren'i Yaveh ny feon'ny teninareo ary dia tezitra Izy; nianiana Izy ary niteny hoe: 35 'Azo antoka fa tsy hisy iray amin'ireto olona avy amin'ny taranaka ratsy ireto hahita ilay tany tsara izay nianianako fa homeko ireo razanareo, 36 ankoatran'i Kaleba zanak'i Jefone; hahita izany izy. Homeko azy, sy ireo zanany ny tany izay efa nodiaviny, satria nanaraka tanteraka an'i Yaveh izy.' 37 Tezitra tamiko nohon'ny aminareo ihany koa i Yave, manao hoe: 'Ianao ihany koa dia tsy ho any; 38 Josoa zanaka lahin'i Nona, izay mijoro eo anoloanao, dia handeha any; hampaherezo izy, satria izy no hitarika an'i Israely handova izany. 39 Fanampin'izany, ireo zafikelinao, ireo izay nolazainao fa ho babo, izay tsy manana fahalalana ny amin'ny tsara sy ratsy ankehitriny—dia ho any izy ireo. Omeko azy ireo izany, ary ho lovainy izany. 40 Fa raha ny aminao, miverena ary mandehana any an'efitra manaraka ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena.' 41 Ary namaly ianareo ka niteny tamiko hoe: 'Nanota tamin'i Yaveh izahay; hijoro sy hiady izahay, ary hanaraka izay rehetra efa nandidin'i Yaveh Andriamanitsika ho ataontsika.' Ny lehilahy rehetra teo aminareo dia nampiditra ny fitaovam-piadiny, ary ianareo nivonona hanafika ilay tany havoana. 42 Hoy Yaveh tamiko hoe: "Lazao azy ireo hoe: "Aza manafika ary aza miady, satria tsy hiaraka aminareo Aho, ary ho resin'ireo fahavalonareo ianareo.' 43 Toy izany no nitenenako anareo, kanefa tsy nohenoinareo. Nanohitra ny didin'i Yaveh ianareo; nirehareha ianareo ary nanafika ilay tany havoana. 44 Fa ireo Amorita, izay nipetraka teny amin'io tany havoana io, dia nivoaka nanohitra anareo ary nanenjika anareo toy ny tantely, ary namely anareo tao Seira, hatrany Horma. 45 Niverina ary nitomany teo anatrehan'i Yaveh ianao; kanefa i Yaveh tsy nihaino ny feonao, na nijery anao. 46 Koa dia nijanona tao Kadesa nandritra ny andro maro ianao, araka ireo andro izay nijanonanao tany.
Ity dia maneho ny tany manerana ny Renirano Jordana, mankany atsinanan'Israely. Teo atsinanan'i Jordana i Mosesy rehefa niresaka tamin'ireo Israelita izy. DH: "atsinanan'i Jordana"
Ireo dia anaran-toerana.
"Iraika ambin'ny folo andro no dia an-tongotra avy any Horeba ... hatrany Kadesa-Barnea"
Ity dia faritra tendrombohitra atsimon'ny Ranomasina Maty. Antsoina hoe "Edoma" ihany koa ilay faritra.
11
DH: "Nitoetra 40 taona, 11 volana, ary 1 andro tany an'efitra izy ireo rehefa niresaka Mosesy"
40
Ity dia faha-iraika ambin'ny folon'ny volana amin'ny tetiandro Hebreo. Amin'ny tetiandro tandrefana dia manakaiky ny fisasahan'ny Janoary ny andro voalohany
11
Anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny olony tao amin'ny Testamenta Taloha ity.
"nomen'i Yaveh fahafahana handresy ireo Israelita"
Anarana mpanjaka ireo.
Anaran-tanàna ireo.
Ity dia maneho ny tany manerana ny Renirano Jordana, mankany atsinanan'Israely. Teo atsinanan'i Jordana i Mosesy rehefa niteny ity izy. DH: "atsinanan'ny reniranon'i Jordana." Adikao toy ny tao amin'ny 1:1 ity.
Ny teny hoe "isika" dia maneho an'i Mosesy sy ny vahoaka hafan'Israely.
Ity dia fomba fiteny. DH: "Tsy mila mipetraka akaikin'ity tendrombohitra ity intsony ianareo"
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoak'Israely izay nolazain'i Yaveh tamin'izy ireo.
Yaveh dia mamaritra toerana ao amin'ny tany izay nampanantenainy homena an'ireo Israelita.
Ity dia faritra eny an-tendrombohitra akaikin'ny toerana izay nipetrahan'ireo Amorita.
fari-tany izay iva sy fisaka
"Henoy tsara izay ho lazaiko"
"omeko anareo ity tany ity izao"
Yaveh dia miresaka toy ny hoe olona hafa Izy. DH: "izay nianianako, Yaveh"
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan' Israely ny amin'izay nolazain'i Yaveh tamin'izy ireo.
Eto ny "aho" dia maneho an'i Mosesy. Ny fehezanteny hoe "tamin'izany fotoana izany" dia maneho ny fotoana naha-tany Horeba an'ireo Israelita, izay mitovy amin'ny Tendrombohitra Sinay. DH: "Tamintsika tany Horeba, dia niresaka taminareo aho"
Eto ny hoe "tsy zaka" dia midika hoe "mitarika" na "manapaka." DH: "be loatra ho ahy ny mitarika irery anareo"
Fanitarana ity izay midika fa Andriamanitra dia nampitombo be ny isan'ireo Israelita. DH: "vahoaka be"
Ny fehezanteny hoe "arivo" dia sariteny anehoana ny hoe "betsaka." DH: "imbetsaka"
1000
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan' Israely.
Mampiasa fanontaniana Mosesy mba hanamafisana fa tsy afaka mamaha ny olan'izy ireo rehetra irery izy. Afaka adika ho fanambarana ity fanontaniana ity. DH: "Tsy afaka milanja irery ny vesatrareo, ny enta-mavesatrareo, sy ny fifandiranareo aho."
Mosesy dia miresaka ny olana sy fitarainan'ny olona izay tokony raisiny an-tanana ho toy ny hoe zavatra azo tsapain-tainana izay nolanjainy. DH: "handraisako an-tanana ny olanareo, ny fitarainanareo"
"ny fifamalianareo" na "ny tsy fitovian-kevitrareo"
"lehilahy avy amin'ny isam-poko izay hajain'ny olon'Israely"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"sy lehilahy izay najain'ny vahoakanareo." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:12.
"ny vondrona 1000 ... ny vondrona 100 ... ny vondrona 50 ... ary ny vondrona 10"
Ireo dia toerana ho an'ny mpitarika samihafa ao amin'ny governemantan'Israely.
"avy amin'ny isam-pokonareo"
"ataovy marina sy rariny ny fanapahan-kevitra momban'ny fifamaliana misy eo amin'ireo Israelita"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo mpitsara, koa ho an'olona maro ireo baiko.
"Aza mitanila"
Ireo "kely" sy "lehibe" ireo dia maneho ny olona rehetra. DH: "Hitondra mitovy ny olona rehetra ianareo"
Ny teny hoe "endrika" dia sarin-teny hilazana ilay olona iray manontolo. Ny hoe "tsy hatahotra" dia baiko. "Aza matahotra an'iza na iza"
Ity dia midika hoe ny fotoana naha-tany Horeba, tany amin'ny Tendrombohitra Sinay azy ireo.
Mosesy manohy mampatsiahy ny olon'Israely ny amin'izay nataon'ny taranak'ireo Israelita teo aloha.
"efitra lehibe sy mampidi-doza izay nodiavinareo"
Mosesy manohy mampatsiahy ny olon'Israely ny amin'izay nataon'ny taranak'ireo Israelita teo aloha.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe miresaka amin'ny olona iray izy.
"hanome ity tany ity ho anao." Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 1:7.
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Israely ny amin'izay nataon'ny taranak'ireo Israelita teo aloha.
"lehilahy 12"
"Nandao io toerana io izy ireo ara lasa"
Ity dia lohasaha any amin'ny faritra Hebrona, izay atsimon'i Jerosalema.
"nijery ireo toerana izay afaka tafihan'izy ireo"
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Israely ny amin'izay nataon'ny taranak'ireo Israelita teo aloha.
"Naka ... ireo lehilahy 12"
"naka ny sasany tamin'ireo vokatry ny tany"
Ilay olona miteny eto dia miresaka toy ny hoe zavatra azo tsapain-tanana izay afaka entin'ny olona ny hoe "teny." DH: "niteny taminay"
DH: "nilaza fa ilay tany izay omen'i Yaveh Andriamanintsika ho antsika dia tsara"
Mosesy manohy mampatsiahy ny olona ny amin'izay nataon'ny taranak'ireo Israelita teo aloha.
Andriamanitra dia nibaiko ireo Israelita mba hanafika sy hamotika ireo Amorita, saingy natahotra ireo Israelita ary nandà ny hiady amin'izy ireo.
Eto ny hoe "eny am-pelatanana" dia midika hoe manome ireo Amorita fahefana eo amin'izy ireo. DH: "eo amin'ny fahefan'ireo Amorita"
Eto ity fanontaniana ity dia manamafy ny fahatahoran'izy ireo. Afaka atao fanambarana ity fanontaniana ity. DH: "Tsy misy azontsika aleha."
Ity dia fanitarana izay manamafy ny tahotr'ireo vahoaka satria lehibe sy mafy ireo tanàna.
"misy rindrina izay avo toy ny"
Misy taranaky ny olona Anakita izay tena vaventy sy mafy.
Mosesy manohy mampatsiahy ny olona ny amin'izay nataon'ny taranak'ireo Israelita teo aloha.
"hoy aho tamin'ireo razambenao"
Eto ny sarin-teny hoe "teo imasonao" dia maneho izay hitan'izy ireo. DH: "izay hitan'ny tenanao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izay dia atao "ianao" avokoa fa tsy "ianareo"
Eto ny fikarakaran'i Yaveh ny olony dia ampitahaina amin'ny an'ny ray. DH: "Yaveh Andriamanitrao dia nikarakara anao, toy ny ray mikarakara ny zanany lahy"
"mandra-pahatonganao teto amin'ity tany izay nampanantenain'Andriamanitra homena anao ity"
Mosesy manohy mampatsiahy ny olona ny amin'izay nataon'ny taranak'ireo Israelita teo aloha.
Mosesy mampatsiahy azy ireo ny fomba rehetra izay nialohavan'i Yaveh lalana ny Israely nandritry ny dian'izy ireo rehetra tany aloha.
"hametrahana ny lainareo"
Mosesy manohy mampatsiahy ny olon'Israely ny amin'izay nolazain'i Yaveh azy ireo.
"Ren'i Yaveh izay nolazainareo"
Andriamanitra dia nanao voady tsy hamela ireo izay nikomy nanohitra Azy hiditra ny tany izay nampanantenainy omena azy ireo.
"hiditra"
Ity dia anaran'ny rain'i Kaleba.
Yaveh dia miresaka toy ny hoe olona hafa Izy. DH: "nankatoa tanteraka Ahy izy"
Mosesy manohy mampatsiahy ny olona ny amin'izay nataon'ny taranak'ireo Israelita teo aloha.
Ity dia maneho ny fotoana tsy nankatoavan'i Mosesy izay nolazain'i Yaveh taminy mba hatao satria tezitra tamin'ny vahoakan'Israely i Mosesy.
Anaran'ny rain'i Josoa ity.
Ny antony hijoroan'i Josoa manoloana an'i Mosesy dia afaka lazaina mazava tsara. DH: "izay mijoro manoloana anao toy ny mpanomponao" na "izay manampy anao"
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Israely ny amin'izay nataon'ny taranak'ireo Israelita teo aloha.
Tsy mbola mahalala ny tsara sy ratsy izy ireo.
"miodìna ary miverena amin'ny lalana izay niavianao"
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Israely ny amin'izay nataon'ny taranak'ireo Israelita teo aloha.
"nikomy nanohitra an'i Yaveh izahay tamin'ny tsy fankatoavana Azy"
"hankatoa izahay"
Eto ny sariteny hoe "tany havoana" dia maneho ny olona izay mipetraka eny. DH: "hanafika ny olona izay mipetraka eny amin'ilay tany havoana"
DH: "handresy anareo ny fahavalonareo satria tsy homba anareo Aho"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely
Ny sarin-teny hoe "tany havoana" dia maneho ny olona izay mipetraka eny. DH: "nanafika ny olona izay mipetraka eny amin'ilay tany havoana.
Ny "tantely" dia biby kely manidina, izay manidina miaraka be dia be ary manindrona ny olona izay mandrahona azy ireo. Izany dia midika fa Armonita maro no nanafika ireo miaramila Israelita ka nila nandao ny ady izy ireo.
Anarana sombin-tany ity.
Anaran-tanàna ity.
"namono maro tamin'ireo miaramilanareo"
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Israely ny amin'izay nataon'ny taranak'ireo Israelita teo aloha.
"niverina tany Kadesa"
1 Ary niverina ka nanohy ny dianay nankany an'efitra mankany amin'ny Ranomasina Mena izahay, araka ny nolazain'i Yaveh tamiko; dia nandeha nihodidina ny tendrombohitra Seira nandritry ny andro maro izahay. 2 Ary niresaka tamiko i Yaveh, nanao hoe: 3 'Efa ampy ny fotoana lava nandehananareo nihodidina ity tendrombohitra ity; fa mandehana mianavaratra. 4 Baikoy ny olona, manao hoe: "Mila mandalo ny sisin-tanin'ireo rahalahinareo ianareo, dia ny taranak'i Esao, izay monina any Seira; hatahotra anareo izy ireo. Noho izany mitandrema 5 mba tsy hiady amin'izy ireo, fa tsy homeko amin'ny tanin'izy ireo ianareo, na dia tany eram-paladia hamindran'ny tongotra aza; satria efa nomeko an'i Esao ho fananana ny Tendrombohitra Seira. 6 Vola no hividiananao sakafo amin'izy ireo, mba hahafahanao mihinana; vola ihany koa no hividiananao rano amin'izy ireo, mba hahafahanao misotro. 7 Satria Yaveh Andriamanitrao dia nitahy anao tamin'ny asan'ny tananao rehetra; efa fantany ny fandehananao amin'ity tany efitra lehibe ity. Satria niaraka taminao Yaveh Andriamanitrao nandritr'izay efa-polo taona izay, ka tsy ory na inona na inona ianao.'" 8 Koa dia nandalo tany amin'ny tanin'ireo rahalahintsika isika, dia ny taranak'i Esao izay monina any Seira, lavitry ny lalan'i Araba, avy any Elata sy avy any Ezion-Gebera. Avy eo niverina isika ka nandalo teo amin'ny lalana mankany amin'ny tany efitr'i Moaba. 9 Hoy Yaveh tamiko hoe: 'Aza manakorontana an'i Moaba, ary aza miady amin'izy ireo. Fa tsy homeko anao ho fanananao manokana ny taniny, satria Ara efa nomeko ireo taranak'i Lota, ho fananan'izy ireo.' 10 (Nonina tany ny Emima fahiny, izay firenena lehibe, maro an'isa, ary lava tahaka ny Anakita; 11 noraisina toy ny Refaita ihany koa ireo, tahaka an'ireo Anakita; fa nantsoin'ireo Moabita hoe Emima izy ireo. 12 Nonina tany Seira ihany koa ireo Horita fahiny, saingy noroasin'ny taranak'i Esao izy ireo. Naringany tsy ho eo anoloany izy ireo ka nipetraka teo amin'ny toeran'izy ireo, tahaka ny nataon'Israely tamin'ny tany izay nomen'i Yaveh azy ireo.) 13 '"Ankehitriny mitsangàna ary mandehana any amin'ny lohasahan-driaka Zareda.' 14 Ary ny andro nandehananay avy any Kadesi-Barnea hatrany amin'ny lohasahan-driaka Zareda, dia naharitra valo amby telo-polo taona. Tamin'izany andro izany no nahalasa ireo lehilahy mpiady tamin'io taranaka io teo amin'ny olona, araka ny nianianan'i Yaveh tamin'izy ireo. 15 Fanampin'izany, nanohitra izany taranaka izany ny tanan'i Yaveh mba handringanana azy ireo tsy ho eo amin'ny olona mandra-pahafatin'izy ireo. 16 Ka dia izao no nitranga, rehefa maty ireo lehilahy mpiady ka niala teo amin'ireo olona, 17 dia niresaka tamiko i Yaveh, nanao hoe: 18 'Ankehitriny ianao dia handalo an'i Ara, moron'i Moaba. 19 Rehefa manakaiky ny tanin'i Amona ianao, dia aza manakorontana na mila ady amin'izy ireo; fa tsy hanome anareo ny tanin'ny vahoakan'i Amona ho fananana aho; satria efa nomeko an'ireo taranak'i Lota ho fananana izany.'" 20 (Izany ihany koa dia raisina ho tanin'i Refaita. Efa nonina tao ireo Refaita fahiny—fa ireo Amonita niantso azy ireo hoe Zamzomita— 21 firenena lehibe, maro an'isa, ary lava tahaka ireo Anakita. Fa Yaveh nandringana azy ireo tsy ho eo anoloan'ireo Amonita, ary noroasiny izy ireo ka nipetraka teo amin'ny toeran'izy ireo. 22 Toy izany koa no nataon'i Yaveh tamin'i vahoakan'i Esao, izay nonina tany Seira, rehefa nandringana ireo Horita tsy ho eo anoloany izy ireo, ka nandroaka azy ireo ny taranak'i Esao ary nipetraka teo amin'ny toeran'izy ireo mandrak'ankehitriny. 23 Ary ny amin'ireo Avita izay nonina tany amin'ny tanàna lavitra tahaka an'i Gaza, dia naringan'ny Kaftorita, izay avy any Kaftora izy ireo, ka nonina tao amin'ny toeran'izy ireo.) 24 '"Ankehitriny mitsangàna, mandehana amin'ny dianareo, ary mandalova any amin'ny lohasahan'i Arnona; indro, natolotro eo am-pelatananao i Sihona ilay Amonita, mpanjakan'i Hesbona, sy ny taniny. Santaro ny fanananao, ary miadia aminy. 25 Ankehitriny dia hanomboka hametraka ny tahotra sy horohoro anao eo amin'ireo olona izay ambanin'ny lanitra iray manontolo aho; handre vaovao momba anao izy ireo ary hangovitra sy hangorohoro nohon'ny aminao.' 26 Naniraka mpitondra hafatra avy any an'efitr'i Kedemota aho hankany amin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, niaraka tamin'ny teny fihavanana, manao hoe: 27 'Avelao aho handalo eo amin'ny taninao; fa manaraka ny lalambe ny handehanako; ary tsy hivily hiankavia na hiankavanana aho. 28 Vola no hividianako sakafo aminao, mba hahafahako mihinana; vola no hividianako rano, mba hahafahako misotro; avelao fotsiny aho handeha; 29 araka ny nataon'ny taranak'i Esao izay monina any Seira, sy ireo Moabita izay monina any Ara tamiko; mandra-pitako an'i Jordana mankany amin'ilay tany izay omen'i Yaveh Andriamanitray ho anay.' 30 Fa Sihona, mpanjakan'i Hesbona, dia tsy hamela antsika handalo eo aminy; satria Yaveh Andriamanitrao dia nanamafy ny sainy sy nanamafy ny fony, mba hahafahany mandresy azy amin'ny herinao, izay efa nataony ankehitriny. 31 Hoy Yaveh tamiko hoe: 'Indro, efa nanomboka nanolotra an'i Sihona sy ny taniny teo anoloanareo Aho; santaro ny fananana izany, mba hahafahanareo mandova ny taniny.' 32 Avy eo Sihona tonga nanohitra antsika, izy sy ireo vahoakany rehetra, mba hiady any Jahaza. 33 Fa natolotr'i Yaveh Andriamanitsika tamintsika izy ka resintsika; novonointsika ho faty izy, sy ireo zanany lahy, ary ireo vahoakany. 34 Nalaintsika avokoa ny tanànany rehetra tamin'izany fotoana izany ary naringantsika tanteraka ny tanàna rehetra—ireo lahy sy vavy ary ireo madinika; tsy nisy navelantsika ho velona. 35 Ny biby fiompy izay azontsika, niaraka tamin'ireo fananana tao amin'ilay tanàna ihany no nalaintsika. 36 Hatrany Aroera, izay any amin'ny sisin'ny lohasahan'i Arnona, ka hatrany amin'ny tanàna izay any amin'ny lohasaha, ka hatrany amin'ny lalana rehetra mankany Gileada, dia tsy nisy tanàna avo loatra ho antsika. Yaveh Andriamanitsika dia nanome fandresena ho antsika tamin'ireo fahavalo teo anoloantsika. 37 Tany amin'ilay tanànan'ireo taranak'i Amona ihany no tsy nandehananao, mbamin'ireo sisin'ny renirano Jaboka rehetra, sy ireo tanànan'ny havoana—na taiza na taiza noraràn'i Yaveh Andriamanitray tsy ho alehantsika.
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Israely ny amin'izay nataon'ny taranak'ireo Israelita teo aloha.
Ireo mety ho heviny dia 1) nandeha nihodidina ny tendrombohitra antsoina hoe Seira nandritry ny fotoana maro ireo Israelita na 2) nirenireny tao amin'ny faritra antsoina hoe Tendrombohitra Seira nandritry ny fotoana maro ireo Israelita.
Faritra tendrombohitra atsimon'ny Ranomasina Maty ity. Antsoina hoe "Edoma" ihany koa io faritra io. Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Ireo fiteny sasany dia mandika ity hoe "alina maro"
Yaveh manohy miresaka amin'i Mosesy.
"ireo havanareo, dia ireo taranak'i Esao"
Yaveh dia mampatsiahy ireo Israelita fa nomeny an'ireo taranak'i Esao io faritany io
Mosesy manohy mampianatra ny Israely ny amin'ny fomba tokony hitondran'izy ireo ny taranak'i Esao.
Yaveh dia manome azy ireo fahafahana na fampianarana, fa tsy baiko, ary milaza azy ireo mba tsy hangalatra Izy. "Manome alalana anareo hividy sakafo amin'izy ireo Aho" na "Raha mila sakafo ianareo, dia mila mividy izany amin'izy ireo"
"amin'ny taranak'i Esao"
Raha tsy ilaina io teny io na tsy mampazana ilay fandikana teny, dia afaka esorinao izany.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, koa "ianao" avokoa fa tsy "ianareo"
Ny hoe "asan'ny tananao" dia maneho ny asa rehetra izay nataon'izy ireo. DH: "ny asanao rehetra"
Ity dia entina milaza hoe "fantany izay nitranga taminao tamin'ny ianao nandeha an-tongotra"
"40 taona"
Ity dia entina milaza hoe "nanana izay rehetra nilainao ianao"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"ireo havantsika"
Anaran-tanàna ireo.
Faran'ny ampahan-tenin'i Mosesy mampatsiahy ireo Israelita ny fomba nitarihan'i Yaveh azy ireo tany an'efitra ity.
Ny teny hoe "Moaba" dia entina hilazana ny vahoakan'i Moaba. DH: "Aza manakorontana ny vahoakan'i Moaba"
Anaran-tanàna ao Moaba ity.
Ny vahoakan'Israely dia nifandray tamin'ireo taranak'i Moaba. Moaba dia zanaka lahin'i Lota. Lota dia zana-drahalahin'i Abrahama.
Manomboka manome fampahafantarana fototra momban'ny olona ao amin'ilay tany ny mpanoratra. Tsy ao anatin'ny tenin'i Mosesy amin'ireo Israelita ireo teny ireo.
Ireo teny ireo dia manome fampahafantarana fototra momban'ny olona Emima, izay nipetraka tany amin'ilay tany talohan'ireo Moabita. Ny fiteninao dia mety manana fomba miavaka hanamarihana fampahafantarana fototra.
Ireo dia anarana vondron'olona izay noraisina ho vaventy sy lava.
Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 1:26
Ity dia manohy ny fampahafantarana fototra momban'ireo karazana vondron'olona izay nipetraka tao amin'ilay tany.
Ity dia anarana vondron'olona
"novonoiny izy rehetra ka tsy nisy tavela niaina niaraka tamin'izy ireo izy rehetra" na "noesoriny tsy ho eo amin'ny fanatrehany tamin'ny famonoana azy rehetra izy ireo"
Mosesy manohy mampatsiahy ireo Israelita ny amin'izay nitranga tamin'izy ireo tany an'efitra.
"'Dia hoy Yaveh hoe: "Ankehitriny mitsangàna ... Zareda.' Ary." DH: "Avy eo Yaveh niteny anay mba hitsangana ... Zareda. Ary"
manomboha manao zavatra
Ity renirano ity dia mikoriana mankany amin'ny Ranomasina Maty avy any atsimo-atsinanana ary manorina ny sisin-tany eo anelanelan'i Edoma sy Moaba.
Ny teny hoe "ary" dia manamarika fiovàna avy ao amin'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana fototra momban'ny faharetan'ny dian'ireo vahoakan'Israely sy momban'ny hatezeran'Andriamanitra amin'io taranaka io. Raha toa ny fiteninao ka manana fomba hanehoana fa fampahafantarana fototra ny manaraka eo, dia tokony ampiasainao eto izany.
"38 taona"
Ity dia fomba mihaja hilazana ny hoe "nahafaty"
Eto ny hoe "tanan'i Yaveh" dia maneho ny herin'i Yaveh. DH: "nampiasa ny heriny Yaveh hanoherana" na "nanasazy Yaveh"
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Israely ny amin'izay nitranga tany aloha.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, koa tokony ho "ianao" avokoa
Ity dia anaran-tanàna ao Moaba. Jereo ny nandikanao ny hoe "Ara" tao amin'ny 2:9.
Ny vahoakan'Israely dia nifandray tamin'ireo taranak'i Amona. Amona dia zanaka lahin'i Lota. Lota dia zana-drahalahin'i Abrahama.
Ireto andininy ireto dia manomboka manome fampahafantarana fototra momban'ireo vondron'olona izay nipetraka tao amin'ilay tany. Raha toa ny fiteninao ka manana fomba hanehoana fa fampahafantarana fototra ny manaraka eo, dia ampiasao eto izany.
DH: "Rasin'ny olona ihany koa izany"
Ity dia anarana vondron'olona. Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 2:10.
Ity dia anarana hafa ho an'ny vondron'olona Refaita.
Anarana vondron'olona ity. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 1:26
"namela ireo Amonita handresy azy ireo" na "namela ireo Amonita hamono azy rehetra"
"nalain'ireo Amonita ny zavatra rehetra izay nananan'ireo Refaita ary dia nipetraka tao amin'izay nonenan'ireo Refaita."
Ity dia anarana vondron'olona. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 2:12.
"naka ny zavatra rehetra izay nananan'ireo Horita ary dia nipetraka tao amin'izay nonenan'ireo Horita"
Mamarana ny famaritana ny fomba nanomezan' Andriamanitra fahafahana an'i Esao haka ny tany izay ipetrahan'i Esao amin'izao ny mpanoratra.
Anarana vondron'olona ireto.
Ity dia anaran-toerana. Mety ho anarana hafa ho an'ny nosin'i Kreta hita any amin'ny Ranomasina Mediteraneana ity.
"naringan'ny Kaftorita ireo Avita"
"nipetraka tao amin'izay nonenan'ireo Avita"
Tapitra ny fanomezan'ny mpanoratra fampahafantarana fototra ary milaza izay nolazain'i Mosesy tamin'ireo Israelita indray.
Yaveh milaza an'i Mosesy ny amin'izay tokony hataon'ny vahoaka. "Ankehitriny mandehana"
"tohizo ny dianareo"
Ity dia anaran'ny Reniranon'ny lohasahan'i Arnona. Manorina ny sisin-tany eo anelanelan'i Moaba sy ny Amorita izany.
Ny hoe "eo am-pelatananao" dia midika hoe "eo amin'ny fitondranao na fahefanao." DH: "Nomeko anao ny fahefana handresy"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, koa tokony ho "ianao" avokoa.
Anarana mpanjaka ity. Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 1:3.
Anaran-tanàna ity. Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 1:3
"miadia aminy sy ny tafiny"
Ny teny hoe "tahotra" sy "horohoro" dia manana dika mitovy ary manamafy fa mahery vaika ilay tahotra. DH: "hametraka tahotra mafy"
Fomba fiteny ity. DH: "ny olona eo amin'ny tany rehetra"
Ity dia manamafy fa "hangovitra amim-pihorohoroana" ny olona.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Eto ny hoe "aho" dia maneho an'i Mosesy.
Ity dia anarana toerana akaikin'ny lohasahan'i Arnona.
Ireo dia anaran'olona sy toerana. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 1:3.
Eto ny hoe "teny fihavanana" dia midika hoe "niaraka tamin'ny tolotra fihavanana" na "niaraka tamin'ny hafatra avy amiko mangataka fihavanana."
Ity fehezanteny ity dia manamafy fa handeha any amin'ny lalana mitovy foana izy ireo. "tsy hiova lalana aho"
Ity dia manohy ny hafatr'i Mosesy amin'i Sihona Mpanjaka.
Miteny amin'i Sihona i Mosesy fa tsy hangalatra amin'ireo Amorita ny Israelita ary mangataka an'i Sihona sy ny vahoakany mba hivarotra sakafo sy rano amin'ireo Israelita; tsy manome baiko izy. DH: "manantena ny hividy sakafo aho mba hahafahako mihinana sy mividy rano mba hahafahako misotro"
Mosesy dia maneho ny vahoakan'Israely toy ny hoe Mosesy mihitsy izy ireo. DH: "Vola no hividianako sy ny vahoakako ... hahafahanay mihinana ... hividiananay rano ... hahafahanay misotro"
"avelao andeha eo amin'ny taninao fotsiny izahay"
Ity dia anarana toerana. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 2:9.
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoaka ny amin'izay nitranga tany aloha.
Ireo dia anaran'olona sy toerana. Jereo ny fomba nandikanao ireo tao amin'ny 1:3.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo
Ireo roa ireo dia manana hevitra mitovy ary manamafy fa "nanamafy hatoka azy" Yaveh.
"nanome an'i Sihona sy ny taniny ho aminareo"
"alaivo ho fananana ny taniny, mba hahafahanareo mandova izany"
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Isaely momban'izay nitranga tany aloha.
Ity dia anaran'olona. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:3.
Anaran-tanàna ao Moaba ity.
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoaka ny amin'izay nitranga tany aloha.
"nalaintsika avokoa ireo tanànan'i Sihona Mpanjaka rehetra"
"novonointsika ny olona rehetra izay nipetraka tao amin'ny tanàna rehetra"
Anaran-tanàna any amin'ny morony avaratry ny Renirano Arnona ity.
"Arnona" dia anaran-drenirano. Adikao toy ny tao amin'ny 2:24 ity.
Ity fanambarana ity dia entina hanamafisana ny fahombiazan'izy ireo tao anaty ady. DH: "vitantsika ny nandresy ny olona tany amin'ny tanàna rehetra na dia nanana rindrina avo loatra nanodidina izany aza ilay tanàna."
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo.
Anaran-drenirano izay nanorina ny morony teo anelanelan'ny tanin'i Sihona sy ny tanin'ireo Amonita ity.
1 Ary niverina izahay ka nandeha tamin'ny lalana mankany Basana. Oga, ilay mpanjakan'i Basana, tonga sy nanafika anay, izy sy ireo vahoakany rehetra, mba hiady ao Edrehy. 2 Hoy Yaveh tamiko hoe: 'Aza matahotra azy; satria efa nomeko fandresena teo aminy ianareo ary efa nametraka ny vahoakany sy ny taniny rehetra teo ambany fahefanareo Aho. Ho ataonareo aminy izay nataonareo tamin'i Sihona, mpanjakan'i Amorita, izay mipetraka any Hesbona. 3 Koa nomen'i Yaveh Andriamanitray anay ny fandresena an'i Oga mpanjakan'i Basana, ary ireo vahoakany rehetra dia natao teo ambany fahefanay. Novonoinay avokoa izy rehetra mandrapaha-tsy nisy tavela intsony ireo vahoakany. 4 Nalainay avokoa ireo tanànany rehetra tamin'izany fotoana izany; tsy nisy tanàna izay tsy nalainay tamin'izy ireo: tanàna enimpolo—ny faritr'i Argoba rehetra, ny fanjakan'i Oga ao Basana. 5 Ireo tanàna rehetra ireo dia voaaro tsara tamin'ny alalan'ny manda avo, vavahady, ary hidy mafy; afa-tsy vohitra maro izay tsy misy manda. 6 Noravanay tanteraka izy ireo, toy ny nataonay tamin'i Sihona mpanjakan'i Hesbona, noravaina tanteraka ireo tanàna rehetra—ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza. 7 Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tao amin'ireo tanàna ireo kosa, dia nalainay mba ho fanananay. 8 Tamin'izany fotoana izany no nakanay ny tany teo am-pelatanan'ireo mpanjaka roan'i Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, miainga eo amin'ny Lohasahan'i Arona hatrany amin'ny Tendrombohitra Hermona 9 (Tendrombohitra Hermona izay nantsoin'ny Sidoniana hoe Siriona, ary nantsoin'ireo Amorita hoe Senira) 10 sy ireo tanànan'ny tany lemaka rehetra, Gileada rehetra, ary ny Basana rehetra, ny lalana rehetra mankany Saleka sy Edrehy, ireo tanànan'ny fanjakan'i Oga ao Basana." 11 (Tamin'ireo sisa velona tamin'i Refaita, dia i Oga mpanjakan'i Basana irery ihany sisa no tavela. Indro! Ny fandriany dia fandriana vy. Moa tsy tany Raba, tany amin'izay nonenan'ireo taranak'i Amona ve izany? Sivy hakiho ny halavany ary efatra hakiho ny sakany, araka ny fomba fandrefesan'ny olona.) 12 Ny tany izay nalainay ho fananana tamin'izany fotoana izany-tamin'i Aroera, izay teo amoron'ny Lohasahan'i Arnona, ny antsasaky ny havoan'ny tanànan'i Gileada, sy ireo tanànany- dia efa nomeko an'ireo Rebonita sy ireo Gedita. 13 Ny Gileada sisa tavela sy Basana rehetra, ilay fanjakan'i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny fokon'i Manase: ireo faritr'i Argoba rehetra, sy Basana rehetra. (Izany faritany izany ihany no antsoina hoe tanin'i Refaita.) 14 Jaira, taranak'i Manase, dia naka ny faritr'i Argoba rehetra hatramin'i Gesorita sy Makatita. Ny faritra rehetra, eny fa na dia i Basana aza, dia nantsoiny tamin'ny anarany manokana hoe: Havota-jaira, mandraka androany.) 15 Nomeko an'i Makira i Gileada. 16 Ireo Robenita sy ireo Gadita dia nomeko ny tany manomboka eo Gileada ka hatrany amin'ny Lohasahan'i Arnona—ny afovoan'ilay lohasaha no fari-tanin'ilay faritra—ary hatrany amin'ny Renirano Jaboka, izay fari-tanin'ny taranak'i Amona. 17 Fari-taniny hafa ihany koa ny tany lemaky ny lohasahan-dreniranon'i Jordana, manomboka eo Kireneta hatrany amin'ny Ranomasin'i Araba (izany hoe: ilay Ranomasin-tsira) hatrany amin'ireo hantsan'ny Tendrombohitra Pisga atsinanana. 18 Nandidy anareo aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: 'Yaveh Andriamanitrareo dia efa nanome anareo ity tany ity mba ho lova; ianareo, izay voaomana ho an'ny ady rehetra, dia hitam-piadiana hita eo anoloan'ireo rahalahinareo, ireo olon'Israely. 19 Fa ireo vadinareo, ireo zanakareo, sy ireo biby fiompinareo (Fantatro fa manana biby fiompy maro be ianareo), dia hipetraka amin'ireo tanànanareo izay efa nomeko anareo, 20 mandra-panomen'i Yaveh fitsaharana an'ireo rahalahinareo, tahaka ny nataony anareo, mandra-pananan'izy ireo ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo azy ireo any an-dafin'i Jordana; avy eo ianareo, ianareo rehetra, hiverina ho any amin'ny fanananareo manokana izay efa nomeko anareo.' 21 Nandidy an'i Josoa aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: "Ireo masonao dia efa nahita izay rehetra nataon'i Yaveh tamin'ireo mpanjaka roa ireo; Yaveh dia hanao toy izany amin'ireo fanjakana rehetra izay hitànareo. 22 Tsy hatahotra azy ireo ianareo, satria Yaveh Andriamanitrareo no ilay iray izay hiady ho anareo." 23 Nitalaho tamin'i Yaveh aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: 24 "O ry Tompo Yaveh, nanomboka nampiseho ny halebiazanao sy ny tananao mahery tamin'ny mpanomponao Ianao; fa aiza any an-danitra na ety an-tany no misy andriamanitra afaka manao ireo asa toy ny efa natanao, sy ireo asa mahery tahaka izany? 25 Avelao aho hita, mitalaho aminao aho, ka hahita ny tany tsara izay any an-dafin'i Jordana, ny havoana tsaran'ny tanàna, ary Lebanona ihany koa." 26 Fa tezitra tamiko Yaveh noho ianao; tsy nihaino ahy Izy. Hoy i Yaveh tamiko: "Aoka ho ampy anao ity-aza miresaka betsaka amiko momba izany olana izany: 27 miakara any an-tampon'i Pisga ary ampijereo any andrefana, any avaratra, any atsimo, ary any antsinanana ny masonao; jereo amin'ny masonao, satria tsy hita an'i Jordana ianao. 28 Fa kosa, ampianaro i Josoa ary ampaherezo sy hatanjaho izy, satria izy no handeha manoloana ny olony, ary izy no hahatonga azy ireo handova ny tany izay ho hitanao." 29 Noho izany dia nijanona tao amin'ny lohasaha ampitan'i Beti-Peora izahay.
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Israely ny amin'izay nitranga tany aloha.
Anarana mpanjaka ireo. Jereo ny fomba nandikanao ireo tao amin'ny 1:3.
Anaran-tanàna ireo. Jereo ny fomba nandikanao ireo tao amin'ny 1:3.
Yaveh dia miresaka amin'i Mosesy toy ny hoe Mosesy no ireo Israelita, noho izany dia tokony ho "ianareo" avokoa.
Eto ireo teny hoe "azy" sy "aminy" ary ny "..ny" dia maneho an'i Oga.
Yaveh dia miresaka ny amin'izay ho ataony toy ny hoe efa vitany izany.
Ny teny hoe "aminy" dia entina hilazana "ireo olony." DH: "Ho ringaninareo tahaka ny nataonareo tamin'i Sihona i Oga sy ny vahoakany"
DH: "ary Yaveh nametraka ny vahoakan'i Oga rehetra ho eo ambany fahefanay"
Ity dia nampiasaina mba hanamafisana fa tsy nisy navelan'ireo Israelita ho velona. DH: "maty avokoa ny vahoakany rehetra"
Ity dia entina hanamafisana fa nalain'izy ireo avokoa ireo tanàna 60. DH: "nalainay avokoa ny tanàna rehetra"
"tanàna 60"
Anaran-tanàna ao anatin'i Basana ity.
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Israely ny amin'izay nitranga tany aloha.
"tsy ao anatin'izany"
Anarana mpanjaka ity. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:3.
Anaran-tanàna ity. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:3.
"novonoina avokoa ny olona rehetra izay nipetraka tao amin'ny tanàna rehetra"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo vahoakan'Israely.
Eto ny sarin-teny hoe "teo am-pelatanana" dia midika hoe "teo amin'ny fifehezan'ny." DH: "teo amin'ny fifehezan'ireo mpanjaka roa" na "teo amin'ireo mpanjaka"
"vahoaka Amorita ... tanin'i Basana ... tanànan'i Edrehy ... Oga Mpanjaka" Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 1:3 ireo.
Ity dia maneho ny tany manerana ny Renirano Jordana, mankany atsinanan'Israely. Mosesy dia tany atsinanan'i Jordana rehefa niteny ity izy. DH: '"atsinanan'ny Renirano Jordana" Adikao toy ny ao amin'ny 1:1 ity.
Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 2:24 ireo teny ireo.
Ireo rehetra ireo dia anarana tendrombohitra iray ihany izay any amin'ny morony avaratr'i Basana.
Ity dia tany avo, fisaka eo anelanelan'ny Renirano Arnona sy Tendrombohitra Gileada.
Anaran-tanàna akaikin'i Edrehy ity.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Ity dia fampahafantarana fototra momban'i Oga Mpanjaka.
Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 2:10 ity.
"Henoy tsara ny zavatra manan-danja izay ho lazaiko anareo."
Mampiasa fanontaniana ny mpanoratra mba hampatsiahivana ny vahoakan'Israely fa afaka mandeha any Raba sy mijery ny mety halehiben'i Oga izy ireo. Afaka atao fanambarana ity fanontaniana ity. Ireo mety ho heviny dia 1) "tany Raba, izay nonenan'ireo taranak'i Amona izany." na 2) "any Raba, izay nonenan'ireo taranak'i Amona izany."
46 santimetatra ny hakiho iray.
"araka ny hakiho izay fampiasan'ny ankamaroan'ny olona"
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoaka ny amin'izay nitranga tany aloha.
Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 2:36 ity.
Adikao toy ny ao amin'ny 2:24 ity.
Adikao toy ny ao amin'ny 3:3 ity.
Ny mpanoratra dia manomboka manolotra fampahafantarana fototra momban'ny tany izay azon'ny vahoakan'Israely. Raha toa ny teninao ka manana fomba hanehoana fa fampahafantarana fototra izay manaraka eo, dia tokony ampiasainao eto izany.
Adikao toy ny tao amin'ny 2:10 ity.
Manaohy ny fampahafantarana fototra momban'ilay tany izay azon'ny vahoakan'Israely ity.
Anaran'olona ity.
Vondron'olona izay nipetraka tany andrefan'i Basana ireo.
Ireo mpadikateny dia mety manao fanamarihana izay milaza hoe: "Ny anarana 'Havota-jaira' dia midika hoe tanànan-dain'i Jaira' na 'faritr'i Jaira.'"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo vahoakan'Israely.
Mosesy eto no miteny
Makira dia zanaka lahin'i Manase. Maty talohan'ny nanomezan'i Mosesy an'ity tany ity izy. Ilay anarana dia entina hanehoana ireo taranak'ilay olona. DH: "an'ireo taranak'i Makira."
Ity dia anaran'ny Reniranon'ny Lohasahan'i Amona. Manorina ny fari-tany eo anelanelan'i Moaba sy ireo Amorita izany. Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 2:24.
Ity dia anarana renirano izay nanorina ny fari-tany eo anelanelan'ny tanin'i Sihona sy ny tanin'ireo Amonita. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 2:36.
Mosesy manohy miresaka amin'ireo vahoakan'Israely.
"ny fari-tany andrefan'ny faritra Robonita sy Gadita dia"
"Ranomasin'i Kireneta." Toerana iray ihany io sy ny "Ranomasin'i Galilia" na "ny Farihin'i Genesareta"
Anarana tendrombohitra any amin'ny lafiny avaratry ny tendrombohitra Abarima ity.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Mosesy dia mampatsiahy ny fokon'i Robena, ny fokon'i Gada, sy ny antsasaky ny fokon'i Manase fa tsy maintsy manampy ireo Israelita hafa haka ny sisa amin'ny tany izay nampanantenain' Andriamanitra azy ireo izy ireo.
"haka ny fitaovam-piadianareo ary hiampita ny Renirano Jaordana mialoha ny"
"ireo Israelita namanareo"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo fokon'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon'i Manase.
Ny mpanoratra dia miresaka toy ny hoe zavatra azo tsapain-tanana izay afaka atao fanomezana ny fitsaharana. Ny teny hoe "fitsaharana" ihany koa dia sarin-teny ho an'ny fiainana feno fiadanana izay tsy misy ady. DH: "mandra-pamelan'i Yaveh an'ireo rahalahinareo hiala sasatra" na "mandra-pamelan'i Yaveh an'ireo rahalahinareo hijanona tsy hiady intsony sy hiaina fiadanana"
Ity dia maneho ny tany manerana ny Renirano Jordana, mankany atsinanan'Israely. Mosesy dia tany atsinanan'i Jordana rehefa niteny ity izy. DH: '"atsinanan'ny Renirano Jordana" Adikao toy ny ao amin'ny 1:1 ity.
Mosesy dia manamafy fa tsy maintsy maka fananana ny taniny ireo foko hafa mialohan'ny hanomezan'i Yaveh alalana ireo foko telo ireo haka fananana ny tanin'izy ireo.
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Israely momban'izay nitranga tany aloha.
Eto ny hoe "maso" dia maneho an'i Josoa. DH: "Nahita ianao"
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoaka ny amin'izay nitranga tany aloha.
Eto ny "aho" dia maneho an'i Mosesy. Ity dia midika fa nangataka tamin'i Yaveh tamin'ny fomba feno hafanam-po sy fihetseham-po izy.
Eto ny hoe "tamin'ny mpanomponao" dia fomba mihaja entina hilazana olona iray manana fahefana lehibe kokoa. DH: "nanomboka nampiseho ahy, mpanomponao"
Eto ny hoe "tanana" dia midika hoe fahefana. DH: "ny fahefanao"
Mampiasa fanontaniana Mosesy mba hanamafisana fa Yaveh irery ihany no Andriamanitra manana fahefana hanao ny asa izay efa vitany. DH: "fa tsy misy andriamanitra afaka ... mahery tahaka izany."
Ireo roa ireo dia midika hoe "na aiza na aiza."
"andrefan'ny Renirano Jordana." Tamin'i Mosesy niteny ireo teny ireo tamin'i Yaveh, dia tao atsinanan'ny Renirano Jordana tao Moaba izy.
Mosesy manohy milaza amin'ny vahoakan'Israely ny amin'izay nitranga tany aloha.
Ity dia maneho ny fotoana tsy nankatoavan'i Mosesy an'izay nolazaiin'i Yaveh azy mba hatao satria tezitra tamin'ny vahoakan'Israely i Mosesy. Adikao toy ny tao amin'ny 1:37 ity.
Adikao toy ny tao amin'ny 3:17 ity.
Yaveh manohy miresaka amin'i Mosesy.
Anaran-tanàna any Moaba akaikin'ny Tendrombohitra Pisga ity.
1 Ankehitriny, ry Israely, mihainoa ny lalàna sy ny didy izay ho ampianariko anareo, ho ataonareo; mba hahavelomanareo sy hidiranareo ka hakanareo ny tany izay homen'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razanareo anareo. 2 Aoka ianareo tsy hanampy ny teny izay handidiako anareo, na hanala amin'izany, mba hitandremanareo ireo lalàn'i Yaveh Andriamanitrareo izay handidiako anareo. 3 Ny masonareo dia efa nahita izay nataon'i Yaveh noho Bala-Peora; satria ny olona rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora, dia noringanin'i Yaveh Andriamanitrao hiala teo aminao. 4 Fa ianareo izay nifikitra tamin'i Yaveh Andriamanitrareo kosa dia mbola velona ankehitriny, ny rehetra aminareo. 5 Indro, nampianatra didy aman-dalàna anareo aho, araka izay nandidian'i Yaveh Andriamanitro ahy, fa tokony hanao izany eo afovoan'ny tany izay hidiranareo mba ho azonareo ianareo. 6 Koa tandremo izany ka ataovy; fa izany no fahendrena sy fahazavan-tsainareo eo imason'ny olona izay handre momba ireo didy rehetra ireo ka hanao hoe: 'Azo antoka fa vahoaka hendry sady manam-pahalalana ity firenena lehibe ity.' 7 Fa iza no firenena lehibe hafa izay manana andriamanitra akaiky azy tokoa, tahaka an'i Yaveh Andriamanitsika isaky ny miantso Azy isika? 8 Iza no firenena lehibe hafa izay manana didy aman-dalàna marina tahaka ity lalàna izay apetrako eto anoloanareo anio ity? 9 Fa mitandrema ary ambeno tsara ny tenanao, mba tsy hanadinoinao ny zavatra izay hitan'ny masonao, ary mba tsy handao ny fonao amin'ny androm-piainanao manontolo izany. Fa kosa, ampahafantaro amin'ny zanakao sy ny zafinao izany. 10 Tamin'ny andro izay nijoroanao teo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao tany Horeba, dia nilaza tamiko Yaveh hoe: 'Vorio ho Ahy ny vahoaka, ary Izaho hampandre azy ireo ny teniko, mba hianaran'izy ireo hahatahotra Ahy amin'ny andro-piainan'izy ireo rehetra eto an-tany, ka hahafahan'izy ireo mampianatra ny zanany.' 11 Dia nanakaiky ianareo ary nijoro teo am-pototry ny tendrombohitra. Nirehitra afo nanakatra ny halalin'ny lanitra ny tendrombohitra, niaraka tamin'ny aizina, rahona, ary aizim-pito matevina. 12 Niteny taminareo avy tao afovoan'ny afo Yaveh; nandre ny feo niaraka tamin'ny teny ianareo, saingy tsy nahita endrika; nandre feo fotsiny ihany ianareo. 13 Nanambara taminareo ny fanekena izay nodidiany hampiharinareo Izy, dia ny Didy Folo. Nosoratany tamin'ny vato fisaka roa izany. 14 Nandidy ahy hampianatra anareo ny didy sy baiko Yaveh tamin'izany fotoana izany, mba hanaovanareo izany any amin'ny tany izay hiampitanareo ka halainareo ho fananana. 15 Koa mitandrema tsara—fa tsy nahita karazan'endrika ianareo tamin'izany andro niresahan'i Yaveh taminareo tao Horeba avy teo afovoan'ny afo izany— 16 mba tsy hanimba tena ianareo ka hanamboatra sary sokitra mitovy endrika amin'izay mety ho voahary rehetra, dia endrik'olona lahy na vavy, 17 na mitovy endrika amin'izay mety ho biby rehetra eto an-tany, na mitovy endrika amin'izay mety ho biby manan'elatra ary manidina eny amin'ny habakabaka, 18 na mitovy endrika amin'ny zavatra rehetra izay mandady amin'ny tany, na mitovy endrika amin'ny trondro any anaty rano ambany tany. 19 Aoka ny masonao tsy hiandrandra ny lanitra ary hijery ny masoandro, ny volana, na ny kintana— ny zavatra rehetra eny amin'ny lanitra—ka ho voataona hivavaka amin'ireny sy hanompo an'ireny—ireo zavatra izay nanomezan'i Yaveh Andriamanitrao anjara ho an'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra. 20 Fa Yaveh naka anareo ka nitondra anareo niala avy tao amin'ny fatana fandrendreham-by, dia avy tany Egypta, mba ho vahoaka izay lovany manokana, tahaka anareo ankehitriny. 21 Tezitra tamiko Yaveh nohon'ny aminareo; nianiana Izy fa tsy hiampita an'i Jordana aho, ary tsy hiditra ao amin'izany tany soa izany, dia ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao ho lovanao. 22 Fa kosa, tsy maintsy ho faty eto amin'ity tany ity aho; tsy mahazo miampita an'i Jordana aho; fa ianareo kosa dia hiampita ary hahazo izany tany soa izany. 23 Tandremo tsara ny tenanareo, mba tsy hanadino ny faneken'i Yaveh Andriamanitrareo, izay nataony taminareo, ka hanamboatra sary sokitra mitovy endrika amin'izay rehetra nandraran'i Yaveh Andriamanitrao tsy ho ataonao. 24 Fa afo mandevona Yaveh Andriamanitrao, ary Andriamanitra saro-piaro. 25 Rehefa manan-janaka aman-jafy ianao, ary rehefa nitoetra ela tao amin'ny tany, ary raha manimba ny tenanao ka manao sary sokitra araka ny endrik'izay mety ho zavatra rehetra, ary manao izay ratsy eo imason'i Yaveh Andriamanitrao, mba hampihetsika ny fahatezerany— 26 dia miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa ho ringana hiala eo amin'ny tany izay hitànareo an'i Jordana ho fanananareo tokoa ianareo; tsy ho lava andro ao ianareo, fa ho ringana tanteraka. 27 Ho aparitak'i Yaveh eo amin'ny vahoaka ianareo, ka ho avela vitsy an'isa eo amin'ireo firenena, izay hitondran'i Yaveh anareo ianareo. 28 Any ianareo no hanompo andriamanitra hafa, izay asan'ny tanan'olombelona, vita amin'ny hazo sy vato, izay sady tsy mahita, no tsy mandre, no tsy mihinana, na manimbolo. 29 Fa avy any ianareo no hitady an'i Yaveh Andriamanitrareo, ka hahita Azy, rehefa mitady Azy amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ianareo. 30 Rehefa ory ianareo, ary rehefa tonga aminareo izany zavatra rehetra izany, dia hiverina amin'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo ka hihaino ny feony any aoriana any. 31 Fa Andriamanitra mpamindra fo Yaveh Andriamanitrareo; tsy handao na handringana anareo Izy, na hanadino ny faneken'ny razanareo izay nianianany tamin'izy ireo. 32 Fa izao dia hevero ny andro lasa, izay talohanareo: nanomboka tamin'ny andro izay naharian'Andriamanitra ny olombelona teto an-tany, ary nanomboka tamin'ny ilan'ny lanitra ka hatreo amin'ny ilany hafa, hevero raha nisy tahaka izany zavatra lehibe izany, ary moa ve nisy zavatra tahaka izany mbola re? 33 Moa ve efa nisy vahoaka nandre ny feon'Andriamanitra niteny avy teo afovoan'ny afo, tahaka ny nandrenesanareo, ka velona? 34 Na moa ve Andriamanitra efa nitady ny handeha ka haka firenena ho Azy avy eo afovoan'ny firenena hafa, amin'ny alalan'ny fitsapana, famantarana, ary amin'ny fahagagana, sy ady, amin'ny tanana mahery, sy sandry mitsotra, ary amin'ny horororo lehibe, tahaka ny zava-drehetra izay nataon'i Yaveh teo imasonareo ho anareo tany Egytpta? 35 Ianao no nampisehoana ireny zavatra ireny, mba hahafantaranao fa Yaveh no Andriamanitra, ary tsy misy hafa ankoatra Azy. 36 Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony, mba hahafahany mampianatra anao; teto an-tany no nampisehoany anao ny afony lehibe; nandre ny feony avy teo afovoan'ny afo ianao. 37 Satria tia an'ireo razambenao Izy, dia nifidy ny taranaka izay nandimby azy ireo, ka nitondra anao nivoaka an'i Egypta teo amin'ny fanatrehany, tamin'ny heriny lehibe; 38 mba handroahana ny firenena lehibe sy matanjaka noho ianao hiala eo anoloanao, ka hampiditra anao ao, mba hanomezana anao ny tanin'izy ireo ho lova, tahaka ny androany. 39 Koa fantaro ary anio, ary ataovy ao am-ponao izao, fa Yaveh no Andriamanitra any an-danitra any ambony sy ety an-tany ety ambany; ary tsy misy hafa. 40 Hitandrina ny didiny sy ny lalàny izay handidiako anao anio ianao, mba ho lavorary ny aminao sy ny taranaka mandimby anao, ary mba hahalava ny andro hiainanao ao amin'ny tany izay omen'i Yaveh anao mandrakizay." 41 Avy eo dia nisafidy tanàna telo avy teny amin'ny ilany antsinanan'i Jordana i Mosesy, 42 mba hahafahan'ny olona mandositra any amin'ny iray amin'ireo raha sendra mamono olon-kafa tsinahy izy, kanefa mbola tsy fahavalony tany aloha tany. Ny fandosirana any amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo no mety hahatafavoaka velona azy. 43 Bezera tany an-tany efitra, tany amin'ny tany lemaka, any Robenita; Ramota tao Gileada, an'ny Gadita; ary Golana tany Basana, an'ny Manasita izany. 44 Izany no lalàna izay napetrak'i Mosesy teo anoloan'ireo vahoakan'Israely; 45 ireo no fanekem-pihavanana, lalàna, ary didy hafa izay nambarany tamin'ny vahoakan'Israely rehefa nivoaka avy tao Egypta izy ireo, 46 rehefa teny atsinanan'i Jordana izy ireo, tany amin'ny lohasaha nanandrify an'i Beta-Peora, tany amin'ny tanin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tao Hesbona, ilay noresen'i Mosesy sy ny vahoakan'Israely rehefa nivoaka an'i Egypta izy ireo. 47 Nalain'izy ireo ho fananany ny taniny, sy ny tanin'i Oga mpanjakan'i Basana—ireo no mpanjakan'ny Amorita anankiroa, izay tany an-dafin'i Jordana niantsinanana. 48 Nanomboka avy tany Aroera, teo amoron'ny lohasahan'i Arnona, ka hatrany amin'ny Tendrombohitra Siona (na Tendrombohitra Hermona) izany fari-tany izany, 49 ary tafiditra tao amin'izany ny lemaky ny lohasahan-driakan'i Jordana rehetra, miantsinanana mankany an-dafin'i Jordana, mankany amin'ny Ranomasin'i Araba, ka hatrany amin'ny hantsan'ny Tendrombohitra Pisga.
Mosesy dia milaza ny vahoakan'Israely ny amin'izay tian'Andriamanitra ataon'izy ireo.
"ary hankatoavy ireo"
Tsy tian'i Yaveh hamorona lalàna vaovao ny olony, na tsy hiraharaha ireo izay efa nomeny azy ireo.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Eto ny hoe "maso" dia maneho ny vahoakan'Israely. DH: "nahita ianareo"
Ny tena dikan'ity feno dia afaka atao mazava tsara. DH: "nohon'ny fahotana izay nataonareo tany Bala-peora"
Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 3:28 ity.
Mosesy dia miresaka amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray izy ireo.
Ny mpanoratra dia miresaka toy ny hoe famihinana ara-batana amin'ny olona iray ny fitokiana sy fankatoavana an'i Yaveh. DH: "nitandrina tsara ny fankatoavana an'i Yaveh ianareo"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"fa tokony hankatoa ireo ianareo rehefa mipetraka ao amin'ilay tany"
Ireo roa ireo dia manana dika mitovy ary manamafy fa tokony hankatoa ireo izy ireo. DH: "ankatoavy tsara ireo"
Ny anarana hoe "fahendrena" sy "fahazavan-tsaina" dia afaka adika ho mpamaritra, ary ny hoe "eo imaso" dia maneho ny fomba fitsaran'ny olona na fanapahany hevitra amin'ny lanjan'ny zavatra iray. DH: "izany no hampiseho amin'ny olona fa hendry sy mahafantatra izay manan-danja ianareo"
Ny teny hoe "firenena" dia entina hilazana ny vahoaka ao amin'izany firenena izany. DH: "ny vahoaka ao amin'izany firenena lehibe izany dia hendry sy manana fahazavan-tsaina"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Ireo fanontaniana fampisainana ireo dia afaka atao fanambarana. DH: "Fa tsy misy firenena lehibe hafa ... miantso Azy isika. Tsy misy firenena lehibe hafa ... anoloanareo anio ity."
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia tokony ho "ianao" avokoa fa tsy "ianareo"
"mitandrema tsara ary tsarovy mandrakariva ireo zavatra ireo"
Ireo fehezanteny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary manamafy fa ny vahoakan'Israely dia tokony hahatadidy izay hitan'izy ireo.
Eto ny hoe "maso" dia entina maneho ilay olona. DH: "izay hitanao"
"Angony hiaraka ny olona ary ento aty amiko izy ireo."
Mosesy manohy mampatsiahy an'ireo Israelita ny tantaran'izy ireo.
Fomba fiteny ity. Ny hoe "halalin'ny" dia midika hoe "ny afovoan'ny" na "ny faritra lalina indrindra amin'ny," ary ny hoe "lanitra" eto dia maneho ny habakabaka. DH: "Nirehitra afo izay nanakatra ny habakabaka"
Eto ny hoe "aizim-pito matevina" dia mamaritra ny rahona. DH: "niaraka tamin'ny rahona matevina sy maizina"
Mety ho heviny hafa koa ny hoe "rahona mavesatra"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo vahoakan'Israely.
"Nanambara Yaveh"
Eto ny hoe "ianareo" dia maneho an'ireo Israelita izay tany amin'ny Tendrombohitra Horeba.
"rehefa avy niampita ny Renirano Jordana sy naka fananana ilay tany ianareo"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakanIsraely.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Koa mila mitandrina tsara amin'ny fomba fihetsikareo ianareo" na 2) "Ambeno tsara ny fanahinareo."
"aza manao ny ratsy"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia tokony ho "ianao" fa tsy "ianareo"
DH: "Aza miandrandra ... ary aza avela hisy olona hitaona anao hivavaka" na "Aza miandrandra ... aza avela hivavaka amin'ireny ny tenanao"
"ny zavatra rehetra mety ho hitanao eny amin'ny habakabaka." Ity dia fomba hafa entina hanehoana ny masoandro, volana, ary ireo kintana.
Fomba fiteny ity. Mosesy dia miresaka ireo kintana toy ny hoe zavatra kely tahaka ny sakafo izay nozarain'i Yaveh sy nomeny an'ireo vondron'olona izany. DH: "izay napetrak'i Yaveh Andriamanitrareo teo mba hanampiana ireo vondron'olona rehetra."
Mosesy dia miresaka an'i Egypta sy ny asa mafy izay nataon'ireo Israelita toy ny hoe fatana izay handoroana vy izany dia ireo Israelita no vy. DH: "nitondra anareo niala tao amin'ilay tany izay nampanaovan'ny olona anareo asa mafy"
Ity dia fomba fiteny izay afaka adika hoe "vahoaka izay azy irery ihany."
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Ity dia maneho ny fotoana tsy nankatoavan'i Mosesy izay nampanaovin'i Yaveh azy satria tezitra tamin'ny vahoakan'Israely i Mosesy. Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 1:37 ity.
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" fa tsy "ianareo"
"mitandrema tsara"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Mosesy dia mampitaha ny fomba fihetsik'i Yaveh rehefa tezitra amin'ny fomba fanimban'ny afo zavatra. DH: "Yaveh Andriamanitrao dia hanasazy sy hamotika mafy anareo tahaka ny afo satria tsy tiany hanompo andriamanin-kafa ianareo"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'israely.
Tokony ho "ianao" avokoa fa tsy "ianareo"
lasa ray, na lasa razamben'i
"raha manao izay ratsy."
Fomba fiteny ity. DH: "ary mampahatezitra an'i Yaveh Andriamanitrao ianao amin'ny fanaovana izay lazainy fa ratsy"
Ireo mety ho heviny dia 1) Mosesy dia miantso an'ireo rehetra izay mipetraka any an-danitra sy ety an-tany mba ho vavolombelona amin'izay lazainy na 2) Mosesy dia miresaka ny lanitra sy tany toy ny hoe olona ireo, ary miantso ireo mba ho vavolombelona amin'izay lazainy izy"
DH: "tsy ho ela velona ianao"
Araka ny voalaza ao amin'ny 4:27, dia tsy ny Israelita rehetra no ho vonoina. Eto ny hoe "ringana tanteraka" dia manamafy fa maro amin'ireo Israelita no ho faty. DH: "fa hamono maro aminareo Yaveh"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Mosesy dia miresaka toy ny hoe voa izay aparitak'i Yaveh manodidina ny saha ny vahoaka. DH: "Handefa anareo any amin'ny toerana samihafa Yaveh ary hanery anareo hipetraka any"
"handefasan'i Yaveh anareo"
Eto ny hoe "tanan'olombelona" dia maneho ireo olona, ary ny hoe "asa ... vita amin'ny hazo sy vato" maneho ireo sampy izay namboarin'izy ireo. DH: "ireo sampy hazo sy vato izay nataon'ny olona"
Mosesy manohy miresak amin'ny vahoakan'Israely. Izy dia miresaka toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
"Fa rehefa any amin'ireo firenena hafa ireo ianareo"
"rehefa tena miezaka mitady Azy ianareo" na "rehefa tena miezaka ny hahafantatra Azy ianareo"
"rehefa mitranga"
Eto ny hoe "hihaino" dia midika hoe mihaino na mankatoa, ary ny hoe "feony" dia maneho an'i Yaveh sy izay lazainy. DH: "hankatoa izay lazainy"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Eto ny vahoakan'Israely dia ampatsiahivina ny fomba niresahan'i Yaveh tamin'izy ireo tamin'ny fomba mahagaga tany aloha. Ity fanontaniana fampisainana ity dia afaka atao fanambrana. DH: "Tsy misy olona ankoatra anareo nandre an' Andriamanitra niresaka avy eo afovoan'ny afo ka velona."
Ny teny hoe "feo" dia entina maneho an'Andriamanitra, izay niteny. DH: "nandre ny feon'Andriamanitra raha niteny Izy"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Eto ny hoe "tanana mahery" sy "sandry mitsotra" dia sarin-teny ho an'ny fahefan'i Yaveh. DH: "amin'ny fanehoana ny fahefany mahery"
Eto ny hoe "maso" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "teo anoloanareo"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
DH: "Nampisehoan'i Yaveh ireny zavatra ireny ianareo"
Mosesy dia miresaka toy ny hoe ireo olona izay noresahany tany an-Tendrombohitra Sinay taona maro lasa ihany ireo olona izay resahany. Ireo olona tany an-tendrombohitra Sinay ankehitriny no razamben'ireo olona izay ilazany ireo zavatra ireo. DH: "nampandrenesany an'ireo razambenao ... nandre ireo razambenao"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Ity dia maneho an'i Abrahama, Isaka, Jakoba, ary ireo zanaka lahin'i Jakoba.
"tamin'ny hery lehibe izay avy tamin'ny fanatrehany" na "tamin'ny heriny lehibe"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Fomba fiteny ity. DH: "tadidio izao"
Ny hoe "any an-danitra" sy "ety an-tany" dia midika hoe "na aiza na aiza."
Ny fanambaran'i Mosesy, izay nanomboka tao amin'ny 1:5, dia tapitra, ary manohy ny fitantarana izay nifarana tao amin'ny 1:5 ny mpanoratra.
Anaran-tanàna ireo
Ity dia maneho ireo lalàna homen'i Mosesy ao amin'ireo toko manaraka.
Anaran-tanàna any Moaba akaikin'ny Tendrombohitra Pisga ity. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 3:28.
"Sihona mpanjaka ... Vahoaka Amorita ... tanànan'i Hesbona." Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 1:3 ireo.
ny tanin'i Sihona Mpanjaka
Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 1:3 ity.
Anaran-tanàna ity. Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 2:36 ity.
Anarana toerana ity. Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 2:24 ity.
Anarana tendrombohitra ireo. Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 3:8 ireo.
Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 3:17 ity.
1 Dia niantso ny Israely rehetra i Mosesy ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Ry Israely, henoy, ireo lalàna sy didy izay ho lazaiko ao an-tsofinareo anio, mba hahafahanareo hianatra sy hitandrina izany. 2 Yaveh Andriamanitsika nanao fifanekena tamintsika tao Horeba. 3 Tsy nanao izany fanekena izany tamin'ireo razambetsika Yaveh, fa tamintsika, dia isika rehetra velona eto anio. 4 Niresaka mivantana taminareo teo amin'ny tendrombohitra avy tao afovoan'ny afo i Yaveh 5 (Nitsangana teo anelanelanareo sy Yaveh aho tamin'izany fotoana izany, mba hanambara aminareo ny teniny; fa natahotra ianareo nohon'ny afo, ka tsy niakatra tao an-tendrombohitra ianareo). Dia hoy Yaveh hoe: 6 'Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo hiala tao amin'ny tany Egypta, hivoaka ny trano fanandevozana. 7 Tsy hanana andriamanitra hafa eo anoloako ianareo. 8 Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anareo ianareo na endri-javatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ety ambany, na izay anaty rano ety ambany. 9 Aza miankohoka amin'ireo ianao na manompo azy ireo, fa Izaho, Yaveh Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro. Mamaly ny faharatsian'ireo razambe Aho amin'ny famaizako ireo zaza madinika, hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra an'izay mankahala Ahy, 10 ary haneho tsy fivadiam-panekena kosa amin'ireo olona an'arivony, amin'ireo izay tia Ahy sy mitandrina ireo didiko. 11 Tsy ho hampiasanao amin'ny tsy antony ny anaran'i Yaveh Adriamanitrao, fa i Yaveh dia handray azy ho meloka amin'ny fampiasana fahatany ny anarany. 12 Tandremo ny andro sabata mba hanamasinana azy, arak'izay nandidian'i Yaveh Andriamanitrao anao. 13 fa enina andro no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra; 14 fa ny andro fahafito kosa dia Sabata ho an'i Yaveh Andriamanitrao. Amin'izany dia tsy hiasa ianao—na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompo lahinao, na ny mpanompo vavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay anatin'ny vavahadinao. Natao izany mba hitsaharan'ny mpanomponao lahy sy ny mpanomponao vavy tahaka anao. 15 Dia ho tsaroanao fa mpanompo tany amin'ny tany Egypta ianao, ary Yaveh Andriamanitrao no namoaka anao tany tamin'ny alalan'ny tanana mahery sy faninjirana ny sandry. Noho izany no nandidian'i Yaveh Andriamanitrao anao mba hitandrina ny andro Sabata. 16 Manajà ny rainao sy reninao, araka izay nandidian'i Yaveh Andriamanitrao ho hataonao, dia ho ela velona any amin'ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao ho anao ianao, ka dia hahasambatra anao anie izany. 17 Aza mamono olona. 18 Aza mijangajanga. 19 Aza mangalatra. 20 Aza manao vavolombelona diso amin'ny mpiara-belona aminao. 21 Aza mitsiriritra ny vadin'ny mpiara-belona aminareo, aza mitsiriritra ny tranon'ny mpiara-belona aminareo, ny sahany, na ny mpanompo lahiny, na ny mpanompo vaviny, ny ombiny, na ny borikiny, na izay rehetra an'ny mpiara-belona aminareo.' 22 Ireo teny ireo no nambaran'i Yaveh tamin'ny feo avo tamin'ny fiangonanareo rehetra teny amin'ny tendrombohitra avy ao afovoan'ny afo, ny rahona, ary ny aizim-pito; dia tsy nanisy teny fanampiny intsony izy. Nosoratany tamin'ny vato fisaka roa izany ka natolony ahy. 23 Dia nitranga izao, rehefa nandre ny feo avy ao afovoan'ny aizina ianareo, raha mbola nirehitra ny tendrombohitra, dia nanakaiky ahy ianareo—ireo loholonareo rehetra sy ireo mpitarika ny fokonareo. 24 Hoy ianareo hoe: 'Indro, Yaveh Andriamanitsika efa naneho tamintsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany, ary efa rentsika ny feony avy eo afovoan'ny afo; hitantsika androany fa rehefa miteny amin'ny olona i Yaveh, dia afaka ny ho velona izy ireo. 25 Fa nahoana isika no tokony ho faty? Satria handevona antsika izany afo lehibe izany; fa raha tsy mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitsika intsony isika, dia ho faty. 26 Fa iza ankoatra antsika no eo amin'ny nofo rehetra izay efa nandre ny feon'ilay Andriamanitra velona niteny avy teo afovoan'ny afo ka velona, tahaka izay efa nataontsika? 27 Raha ny aminareo, dia tokony handeha sy hihaino izay rehetra ambaran'i Yaveh Andriamanintsika ianareo, hamerina aminay izay rehetra lazain'i Yaveh Andriamanintsika aminareo; hihaino sy hankatoa izany izahay.' 28 Ren'i Yaveh ny teninareo raha niresaka tamiko ianareo. Hoy Izy tamiko hoe: 'Efa reko ny tenin'ireo vahoaka ireo, dia izay nolazainy taminao. Tsara izay nambaran'izy ireo. 29 Endrey, raha mba misy fo tokoa izy ireo, dia hanaja Ahy sy hitandrina mandrakariva ny didiko rehetra, dia hahasoa azy ireo sy ireo taranany mandrakizay izany! 30 Ndeha lazao amin'izy ireo hoe: "Miverena any an-dainareo." 31 Fa raha ny aminao, mitsangàna eto anatrehako, dia hambarako aminao ny didy rehetra, ny lalàna, sy ireo fitsipika izay ho ampianarinao azy ireo, mba hitandreman'izy ireo izany any amin'ny tany izay homeko azy ireo ho fananana.' 32 Ho tandremanao, noho izany, izay nandidian'i Yaveh Andriamanitrao anao; mba tsy hivily ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia ianao. 33 Handeha amin'ny lalana rehetra izay nandidian'i Yaveh Andriamanitrao anao ianao, mba ho velona ianao, ka hahasoa anao izany, ary mba hahalava ny andro iainanao any amin'ny tany izay ho fanananao.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Eto ny hoe "sofina" dia maneho ilay olona manontolo. Ity dia manamafy fa ny olona dia mahafantatra izay nolazain'i Mosesy tamin'izy ireo, ka tsy afaka manota izy ireo na miteny fa tsy nahafantatra hoe nanota. DH: "izay ho lazaiko anareo anio"
Ireo mety ho heviny dia 1) tsy tamin'ireo izay tany Horeba ihany no nanaovan'i Yaveh fifanekena; tamin'ireo taranaka Israelita taty aoriana ihany koa ilay fifanekena na 2) Yaveh dia tsy nanao io fanekena io tamin'ireo razamben'izy ireo alavitra, toa an'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba; fa kosa, nanomboka tamin'ireo Israelita tany Horeba io fifanekena io.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Ampiasao ny fomba fitenin'ny fiteninao ho an'ny olona izay mifanakaiky sy mifampijery rehefa miresaka izy ireo.
Mosesy dia maneho hetsika izay nitranga 40 taona lasa.
Eto ny hoe "trano fanandevozana" dia maneho an'i Egypta izay nanandevozana an'ireo vahoakan'Israely. DH: "hivoaka ny toerana izay naha-andevo anareo"
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Israely ny amin'izay nandidian'i Yaveh azy ireo. Ny hoe "tsy hanana" sy "tsy hanao" dia baiko. Izy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
"tsy tokony hanompo andriamanitra hafa ankoatra Ahy ianareo"
DH: "ety an-tany ambany tongotrao izany, na any anaty rano ambanin'ny tany"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
"Tsy hanompo ireo sary sokitra na hanao araka izay didiany ianao"
"Izaho ... dia mila anao manompo Ahy irery"
Ny dikan-teny sasany dia manao hoe "taranaka an'arivony amin'ireo izay tia Ahy." Ny teny hoe "an'arivony" dia entina hilazana isa be loatra raha isaina. DH: "olona an'arivony, amin'ireo izay tia Ahy"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
"tsy misy fanajana" na "amin'ny tanjona diso"
DH: "hanasazy azy Yaveh"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
"hanokanana izany ho an'Andriamanitra"
"hanaovanao ireo asanao mahazatra"
"andro faha-7."
"Amin'izany andro izany dia aza miasa mihintsy"
Eto ny hoe "vavahady" dia entina anehoana ilay tanàna mihintsy. DH: "ao anatin'ny fiarahamoninao" na "ao amin'ny tanànanao" na "miara-mipetraka aminao"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Fomba fiteny ity. DH: "aoka ho tsaroanao"
Eto ny hoe "tanana mahery" sy "sandry mihinjitra" dia sarin-teny hanehoana ny herin'i Yaveh. Adikao toy ny ao amin'ny 4:34 ity. DH: "tamin'ny fampisehoana ny fahefany mahery"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Mosesy manohy miresaka amin'ireo vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Adikao toy ny tao amin'ny 5:9 ity.
"Aza miara-mandry amin'ny olona hafa tsy vadinao"
"aza milaza lainga momban'olona"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 5:9 ity.
Mosesy mampatsiahy ny vahoakan'Israely ny amin'izay nolazain'i Yaveh.
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Israely ny amin'izay nitranga tany aloha.
Ny teny hoe "feo" dia entina ilazana ny feon'ilay olona izay niteny. DH: "nandre an'i Yaveh niteny"
Mosesy manohy mampatsiahy ireo Israelita ny amin'izay nolazain'ireo Israelita tamin'i Mosesy.
Natahotra izy ireo hoe ho faty raha toa ka niresaka tamin'izy ireo Yaveh. DH: "Natahotra ny ho faty isika."
DH: "Tsy misy ankoatra antsika ... efa nataontsika."
Ity dia entina ilazana "ny olona rehetra" na "ny zava-manan'aina rehetra"
Eto ny hoe "tamiko" dia maneho an'i Mosesy.
Raha toa ny fiteninao ka manana fomba fiteny izay milaza faniriana mafy ho amin'ny zavatra iray, dia ampiasao eto izany. DH: "faly be Aho raha toa ka misy fo izy ireo"
Yaveh manohy miresaka amin'i Mosesy.
"ho ampianarinao ny vahoakan'Israely"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Manome baiko ny vahoakan'israely i Mosesy.
Ity dia mampitaha olona iray tsy mankatoa an'Andriamanitra amin'ny olona izay mivily amin'ny lala-marina. DH: "hankatoa Azy amin'ny fomba rehetra ianareo" na "hanao izay rehetra lazainy ianareo"
Adikao toy ny tao amin'ny 4:39 ity. DH: "afaka hiaina fotoana maharitra"
1 Ankehitriny dia ireto avy ireo baiko, ireo didy, ary ireo lalàna izay nandidin'i Yaveh Andriamanitrao ahy mba hampianarina anao, ka mba hahafahanao mitandrina ireo any amin'ny tany izay halehanao tandrifin'i Jordana izay ho fanananao; 2 mba hahafahanao manome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrao, amin'ny fitandremana ireo lalàna sy ny didy rehetra izay handidiako anao—ianao, ireo zanakao, ary ireo zanaky ny zanakao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba hitombo ny andro hiainanao. 3 Noho izany henoy ireo, ry Israely, ary tandremo ireo, mba hahasoa anao izany, mba hitomboanao fatratra, any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, araka izay efa nampanantenain'i Yaveh, ilay Andriamanitrin'ny razambenao taminao ho atao. 4 Henoy, ry Israely: Yaveh Andriamanintsika dia iray. 5 Hitia an'i Yaveh Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo ianao, amin'ny fanahinao manontolo, ary amin'ny herinao manontolo. 6 Ireo teny izay handidiko anao anio dia ho ao amin'ny fonao; 7 ary hampianatra tsara an'ireo amin'ny zanakao ianao; hiresaka momba ireo ianao rehefa mipetraka ao an-tranonao, rehefa mandeha eny an-dalana, rehefa mandry, ary rehefa mifoha. 8 Hamatotra ireo ianao mba ho famantarana eo amin'ny tananao, ary atao toy ny fehin-kandrina eo anelanelan'ny masonao ireo. 9 Hanoratra izany eo amin'ny tolàm-baravaran'ny tranonao sy ny vavahadinao ianao. 10 Rehefa mitondra anao any amin'ny tany izay nampanantenain'i Yaveh Andriamanitrao tamin'ireo razambenao, Abrahama, Isaka, sy Jakoba, fa homeny anao ianao, miaraka amin'ny tanàna lehibe sy tena tsara izay tsy nahorinao, 11 sy trano maro feno karazana zavatra tsara izay tsy nataonao, famorian-drano izay tsy nohadianao, ary tanim-boaloboka sy hazon'oliva izay tsy nambolenao, hihinana ianao ka ho afa-po— 12 ary mitandrema ianao mba tsy hanadino an'i Yaveh, izay nitondra anao hiala tao amin'ny tany Egypta, hivoaka ny trano fanandevozana. 13 Hanome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrao ianao; izy no ho tompoinao, ary hianiana amin'ny anarany ianao. 14 Tsy hanompo andriamanitra hafa ianao, ireo andriamanitry ny olona izay manodidina anao rehetra— 15 satria Yaveh Andriamanitrao izay eo afovoanao dia Andriamanitra saro-piaro—fa raha manao izany ianao, dia hirehitra aminao ny fahatezeran'i Yaveh Andriamanitrao, ary handringana anao amin'ny tany rehetra Izy. 16 Tsy hitsapa an'i Yaveh Andriamanitrao tahaka ny nitsapanao azy tany Masaha ianao. 17 Ianao dia hitandrina tsara ireo baikon'i Yaveh Andriamanitrao, ireo didiny, sy ireo lalàny, izay nandidiny anao. 18 Hanao izay marina sy tsara eo imason'i Yaveh ianao, mba hahasoa anao izany, ary mba hahafahanao miditra sy manana ny tany tsara izay efa nianianan'i Yaveh tamin'ireo razanao, 19 mba hanalana ireo fahavalonao rehetra tsy ho eo anoloanao, araka ny efa nolazain'i Yaveh. 20 Rehefa manontany anao ny zanakao lahy amin'ny fotoana ho avy, manoa hoe: 'Inona avy ireo lalàn'ny fanekena, ireo fitsipika, ary ireo lalàna hafa izay nandidian'i Yaveh Andriamanitsika anao?' 21 dia hilaza ny zanakao lahy ianao hoe: 'Andevon'i Farao tany Egypta isika; nitondra antsika niala ny tany Egypta tamin'ny tanana mahery Izy, 22 ary nampiseho famantarana sy fahagagana, lehibe sy mahery vaika, tamin'i Egypta, tamin'i Farao, ary tamin'ny tranony rehetra, teo imasontsika Izy; 23 ary nitondra antsika niala tany, mba hitondrany antsika hiditra ao, mba hanomezana antsika ny tany izay efa nampanantenainy an'ireo razantsika. 24 Yaveh dia nandidy antsika mandrakariva mba hitandrina ireo lalàna rehetra, mba hatahotra an'i Yaveh Andriamanitsika hahasoa antsika, mba hahavelona antsika hatrany, tahaka antsika amin'izao. 25 Raha mitandrina ireo didy rehetra ireo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitsika isika, araka izay nandidiny antsika, dia ho fahamarinantsika izany.'
Mosesy manohy ny fanambarany amin'ny vahoakan'Israely izay natombony tao amin'ny 5:1. Manomboka ao amin'ny andininy faha-2 izy dia miresaka amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
"mba hahafahanao mankatoa ... fankatoavana"
"izay halehanao any amin'ny ilany ampitan'ny Renirano Jordana"
DH: "mba hahafahako mampitombo ny andronao"
Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Eto ny hoe "henoy" dia midika hoe mankatoa, ary ny hoe "ireo" dia maneho ireo didin'i Yaveh. DH: "henoy ireo didy, lalàna, ary fitsipik'i Yaveh"
"ankatoavy"
Fomba fiteny ity. DH: "tany izay feno ronono sy tantely mikoriana" na "tany izay tena tsara ho an'ny biby fiompy sy fambolena"
Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
"Yaveh Andriamanintsika no ilay Andriamanitra iray sy tokana"
Ireo fehezanteny ireo miaraka dia manamafy fa ny olona iray dia heverina fa tokony ho tia fatratra an'Andriamanitra sy ho voatokana ho Azy tanteraka.
Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita.
Mosesy dia miresaka ireo didin'Andriamanitra amin'ny vahoakan'Israely.
Fomba fiteny ity. DH: "tokony ho tsaroanao mandrakariva"
"Mandidy anao hampianatra tsara Aho ... mandidy anao hiresaka Aho." Tokony hahatakatra ireo hoe baiko ny mpamaky.
Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita.
Ity dia sarin-teny ilazana ny hoe "soraty eo amin'ny hodi-biby ireo teny ireo, ataovy ao anaty fitoeram-bola ilay hodi-biby, ary fatory ilay fitoerana." Io sarin-teny dia mety hilazana hoe "hankatoavy ireo teny ireo mba ho toy ny hoe eo ara-batana ireo." DH: "fatory ireo teny ireo"
"toy ny zavatra entina ampatsiahivana anao ireo lalàko"
Ity dia sarin-teny ilazana ny hoe "soraty eo amin'ny hodi-biby ireo teny ireo, ataovy ao anaty fitoeram-bola ilay hodi-biby, ary fatory eo an-kandrinao ilay hodi-biby mba hipetraka." Io sarin-teny dia mety hilazana hoe "hankatoavy ireo teny ireo mba ho toy ny hoe eo ara-batana ireo." DH: "atao toy ny fehin-kandrina ny teniko"
Firavaka izay ataon'ny olona eo amin'ny andrina.
Baiko ity.
Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita.
Ireo tanàna rehetra ireo dia ho an'ny vahoakan'Israely rehefa mandresy ny olona any Kanana izy ireo.
Eto ny hoe "trano fanandevozana" dia maneho an'i Egypta, ilay toerana izay nanandevozana ny vahoakan'Israely. DH: "hivoaka ny toerana izay nanandevozana anareo"
Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita.
"Yaveh Andriamanitrao ary tsy hisy hafa no homenao voninahitra; Izy irery ihany no ho derainao, ary amin'ny anarany dia ny anarany irery ihany no hianiananao." Ny fiteninao dia mety manana fomba hafa hanamafisana fa Yaveh dia milaza ireo Israelita mba tsy hidera na hanompo andriamanitra hafa.
Ny hoe mianiana amin'ny anaran'i Yaveh dia midika hoe manao an'i Yaveh ho fototra na hery nanaovana ilay fianianana. Ny teny hoe "ny anarany" dia maneho an'i Yaveh mihitsy. DH: "hianiana sy hangataka an'i Yaveh hanamarina izany" na "rehefa mianiana ianao dia hiteny ny anarany"
"izay miaina eo aminao"
Mosesy dia mampitaha ny hatezeran'i Yaveh amin'ny olona izay mandrehitra afo hamotehana zavatra. Ny hoe mandrehitra hatezerana dia sarin-teny ilazana hoe lasa tezitra mafy. DH: "handrehitra ny hatezerany Yaveh Andriamanitrao" na "ho tezitra mafy Yaveh Andriamanitrao"
"handringana anao mba tsy hisy avy aminao ho tavela na aiza na aiza"
Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita
Eto ny hoe "mitsapa" dia midika hoe mihantsy an'i Yaveh ary manery Azy hanaporofo ny tenany.
Anaran-toeran any an'efitra ity. Ny mpadika teny dia mety hanampy fanazavana izay manao hoe: "Ny anarana hoe 'Masaha' dia midika hoe 'mitsapa'"
Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita
Ity fomba fiteny ity dia baiko sy tso-drano. Raha mankatoa an'i Yaveh ireo Israelita, dia handray fitahiana avy amin'i Yaveh. DH: "Ataovy izay lazain'i Yaveh fa marina sy tsara"
Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita
DH: "Inona no dikan'ireo lalàn'ny fanekena ... aminao" na "Nahoana ianao no mankatoa ireo lalàn'ny fanekena ... anao"
Ity dia maneho ireo zanaky ny olon-dehiben'Israely izay nitenenan'i Mosesy ny tenin'i Yaveh.
Eto ny hoe "tanana mahery" dia maneho ny fahefan'i Yaveh. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 4:34. DH: "tamin'ny fahefany mahery"
Eto ny hoe "trano" dia maneho ny vahoakan'i Yaveh. DH: "ary tamin'ny vahoakany rehetra"
Eto ny hoe "maso" dia maneho ilay olona iray manontolo. DH: "teo amin'izay nafahantsika nahita azy ireo"
Ny dikan'ity fanambarana ity feno dia afaka atao mazava tsara. DH: "mba hitondrany antsika ao Kanana"
Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita. Milaza amin'izy ireo izay tokony ho lazain'izy ireo ny zanany momban'ireo didin'i Yaveh izy.
"eo anoloan'i Yaveh" na "eo amin'izay hahitan'i Yaveh antsika"
"hankatoa"
DH: "handray antsika ho marina Izy"
1 Rehefa nentin'i Yaveh Andriamanitrao tany amin'ny tany izay ho fanananao ianao, dia handroaka firenena maro hiala eo anoloanao Izy—ireo Hetita, ireo Girgasita, ireo Amorita, ireo Kananita, ireo Perizita, ireo Hivita, ary ireo Jebosita—firenena lehibe fito sy mahery kokoa noho ianao. 2 Izany dia Yaveh Andriamanitrao izay manolotra azy ireo ho anao rehefa mandresy azy ireo ianao, ary tsy maintsy mamotika tanteraka azy ireo ianao. Tsy hanao fifanekena amin'izy ireo ianao, ary tsy haneho famindram-po amin'izy ireo. 3 Na koa hikarakara fanambadiana amin'izy ireo ianao. Tsy hanome ny zanakao vavy ho an'ny zanak'izy ireo lahy ianao, ary tsy haka ny zanak'izy ireo vavy ho an'ny zanakao lahy ianao. 4 Satria izy ireo dia hampivily lalana ny zanakao ny amin'ny fanarahana Ahy, mba hahafahan'izy ireo manompo andriamanitra hafa. Noho izany dia hirehitra aminareo ny hatezeran'i Yaveh, ary handringana anareo faingana Izy. 5 Izao no tokony hifanarahanao amin'izy ireo: hamotika ny alitaran'izy ireo ianareo, hamotika ny tsangam-baton'izy ireo ianareo, hanapaka ny baon'Aserahan'izy ireo, ary handoro ireo sampy voasokitr'izy ireo. 6 Satria ianao dia firenena izay voatokana ho an'i Yaveh Andriamanitrao. Dia nifidy anao mba ho vahoakany, mihoatra noho ireo vahoaka hafa rehetra eran'izao tontolo izao Izy. 7 Tsy nametraka ny fitiavany teo aminareo na nisafidy anareo nohon'ny hamaroan'isanareo noho ny vahoaka hafa i Yaveh—satria ianareo no vitsy indrindra tamin'ireo vahoaka rehetra— 8 fa satria tiany anareo, ary naniry ny hitàna ny fianianana izay nampanantenainy tamin'ireo razanareo Izy. Izany no nahatonga an'i Yaveh nitondra anareo nivoaka tamin'ny tanana mahery ary nanafaka anareo tao amin'ny trano fanandevozana, teo an-tanan'i Farao, mpanjakan'i Egypta. 9 Noho izany dia fantaro fa Yaveh Andriamanitrao—Izy no Andriamanitra, ilay Andriamanitra mahatoky, izay mitàna ireo fanekena sy fahatokiana ho an'ny taranaka an'arivony miaraka amin'ireo izay tia azy sy mitandrina ireo didiny, 10 fa sazio eny amin'ny tavany ireo izay mankahala Azy, mba hanimbana azy ireo; tsy handefitra amin'ireo izay mankahala Azy Izy; hamaly azy eo anatrehany izy. 11 Noho izany ianao dia hitandrina ireo baiko, ireo lalàna, ary ireo didy izay nodidiko ho ataonao anio, ka hampiatra ireo ianao 12 Raha mihaino ireo lalàna ianao, ary mitandrina sy manao izany, dia hitandro ny fanekena sy ny fahatokiana izay nampanantenainy tamin'ny razanao Yaveh Andriamanitrao. 13 Hitia anareo Izy, hitahy anareo, ary hampitombo isa anareo; hitahy ny vokatry ny vatanareo sy ny vokatry ny taninareo, ny varinareo, ny divay vaovaonareo, sy ny menakareo, ny fitombon'ireo biby fiompinareo sy ireo zanak'ondry aman'osinareo, ao amin'ny tany izay nampanantenainy tamin'ireo razanareo fa homeny anareo. 14 Ho voatahy kokoa noho ireo olona hafa rehetra ianao; tsy hisy lehilahy momba na vehivavy momba eo aminareo na eo amin'ny biby fiompinareo. 15 Hanala ny aretina rehetra aminao i Yaveh; tsy hataony mahazo anao ireo aretin-dratsin'i Egypta fantatrao, fa ho ataony amin'ireo rehetra izay mankahala anao izany. 16 Handringana ny vondron'olona rehetra izay hanomezan'i Yaveh Andriamanitrao fandresena anao ianao, ary tsy hiantra azy ireo ny masonao. Tsy hanompo ny andriamanitr'izy ireo ianao, satria ho fandrika ho anao izany. 17 Raha milaza ao am-ponao ianao hoe: "Maro an'isa noho izaho ireo firenena ireo; ahoana no handreseko ireo?"— 18 aza matahotra azy ireo; hahatsiaro izay nataon'i Yaveh Andriamanitrao tamin'i Farao sy Egypta rehetra ianao; 19 ireo fijaliana be izay hitan'ny masonao, ireo famantarana, ireo fahagagana, ny tanana mahery, sy sandry mitsotra izay nitondran'i Yaveh anao nivoaka. Yaveh Andriamanitrao dia hanao toy izany koa amin'ireo vahoaka rehetra izay hatahoranao. 20 Fanampin'izany, Yaveh Andriamanitrao dia handefa ny fanenitra eo amin'izy ireo, mandra-paharingan'ireo sisa tavela sy izay manafina ny tenany aminao amin'ny fanatrehanao. 21 Tsy hatahotra azy ireo ianao, satria Yaveh Andriamanitrao dia eo aminao, Andriamanitra lehibe sy hatahorana. 22 Yaveh Andriamanitrao dia handroaka tsikelikely ireo firenena eo anoloanao. Tsy haharesy azy rehetra indray miaraka ianao, fandrao hiamaro ireo bibi-dia hanodidina anao. 23 Fa Yaveh Andriamanitrao dia hanome fandresena ho anao amin'izy ireo rehefa hiady amin'izy ireo ianao; hampivarahontsana azy ireo Izy mandra-paharingan'izy ireo. 24 Ho ataony eo ambany fahefanao ireo mpanjakan'izy ireo, ka hahafoana ny anaran'izy ireo amin'ny ambany lanitra ianao. Tsy hisy afaka hitsangana manoloana anao, mandra-paharinganao azy ireo. 25 Handoro ireo sary sokitr'ireo andriamanitr'izy ireo ianareo—aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay mandrakotra azy ireo ka maka izany ho an'ny tenanareo, satria raha manao izany ianareo, dia ho voafandrik'izany—satria fanevatevana an'i Yaveh Andriamanitrareo izany. 26 Tsy hitondra fahavetavetana ao an-tranonao ianao ka hanomboka hanompo izany. Hankahala izany tokoa ianao, satria efa voatokana ho an'ny faharavàna izany.
Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita
Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita.
Mosesy dia miresaka fandresena toy ny hoe zavara azo tsapain-tanana afaka omen'olona ho an'ny hafa izany. DH: "hanome fahafahana anao handresy azy ireo"
Eto ny hoe "izy ireo" dia maneho ireo firenena fito tao amin'ny 7:1.
Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita.
"raha mamela ny zanakao hanambady olona avy amin'ny firenena hafa ianao, dia hampivily .. ireo firenena hafa"
Mosesy dia mampitaha ny hatezeran'i Yaveh amin'ny olona mandrehitra afo. Ity dia manamafy ny fahefan'i Yaveh handrava izay mampahatezitra Azy. DH: "handrehitra ny hatezerany aminareo Yaveh" na "Avy eo Yaveh ho tezitra mafy aminareo"
Ity dia maneho ireo Israelita rehetra.
Eto Mosesy dia miresak amin'ireo Israelita rehetra.
Mosesy milaza amin'ny vahoakan'Israely ny tenin'i Yaveh toy ny hoe olona iray izy ireo.
Yaveh misafidy ny vahoakan'Israely mba ho Azy amin'ny fomba miavaka dia resahana toy ny hoe atokan'i Yaveh amin'ireo firenena hafa rehetra izy ireo.
Fomba fiteny ity. DH: "izay miaina eto an-tany"
Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely.
Fomba fiteny ity. DH: "tsy nitia anareo mihoatra noho ny nitiavany ny hafa"
Eto ny hoe "tanana mahery" dia maneho ny fahefan'i Yaveh. DH: "tamin'ny fahefany lehibe." Ireo teny ireo dia hita ao amin'ny 4:34 koa.
Mosesy dia miresaka an'i Yaveh manavotra ny vahoakan'Israely tsy ho andevo toy ny hoe nandoa vola tamin'ny tompon'andevo i Yaveh. DH: "nanavotra anareo tsy ho andevo"
Eto ny hoe "trano fanandevozana" dia maneho an'i Egypta, ilay toerana izay nanandevozana an'Israely. DH: "hivoaka ilay toerana izay nanandevozana anareo." Adikao toy ny tao amin'ny 6:10 ity.
Eto ny hoe "tanana" dia midika hoe "fanapahana." DH: "fanapahan'i Farao"
Mosesy manohy milaza amin'ny vahoakan'Israely ny tenin'i Yaveh toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita.
"ho an'ny taranaka 1,000"
Ity fomba fiteny ity dia midika hoe "sazio faingana sy ampahibemaso izy ireo mba ho fantatr'izy ireo fa nanasazy azy ireo Andriamanitra."
"Yaveh dia hanasazy mafy ireo rehetra izay mankahala Azy"
Mosesy manohy miteny amin'ny vahoakan'Israely ny tenin'i Yaveh. Izy dia miresaka toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita ao amin'ny andininy faha 12 ary amin'izy ireo rehetra toy ny hoe vondrona ao amin'ny andininy faha 13.
"ary hampitombo ny isan'ny vahoakanareo"
Ity dia fomba fiteny ilazana ny hoe "zanakareo."
Ity dia fomba fiteny ilazana ny hoe "vokatrareo"
"ho lasa maro be ireo biby fiompinareo"
Mosesy manohy milaza amin'ny vahoakan'Israely ny tenin'i Yaveh toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita.
DH: "Hitahy anao mihoatra noho ny fitahiako ireo olona hafa Aho"
Mosesy dia mampiasa ity karazana fanambarana ity mba hanamafisana fa afaka ny hanan-janaka avokoa izy rehetra. DH: "Afaka ny hanan-janaka avokoa ianareo rehetra ary afaka ny hiteraka ny biby fiompinareo"
Be dia be no resahana eto.
"haka antoka mba tsy harary ianao" na "hihazona anao ho salama tanteraka"
Mosesy dia miresaka ny aretina toy ny hoe zavatra mavesatra izay apetrak'i Yaveh eo ambonin'ny olona. DH: "tsy hamparary anao amin'ny aretin-dratsy Izy ... fa hamparary ireo fahavalonao amin'izany"
Mosesy manohy milaza ny vahoakan'Israely ny tenin'i Yaveh toy ny hoe olona iray ireo Israelita.
"Mandidy anao mba handrava tanteraka ireo vondron'olona rehetra Aho"
Baiko ity. Mosesy dia miresaka toy ny hoe ilay maso mihitsy izay hitan'ny maso. DH: "aza avela hampiantra anao azy ireo izay hitanao" na "aza miantra azy ireo satria hoe hitanao fa mandratra azy ireo ny ataonao"
"aza manompo mihitsy"
Raha manompo andriamanitra hafa ny vahoaka, dia ho toy ny biby tratra ao anaty fandriky ny mpihaza izy ireo, ary tsy ho afaky ny hitsoaka izy ireo.
Mosesy manohy milaza amin'ny vahoakan'Israely ny tenin'i Yaveh toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita.
Tokony tsy hatahotra ireo olona na dia hitan'izy ireo aza fa mahery kokoa noho izy ireo firenena. DH: "Na dia milaza ao am-poanao aza ianao"
Fomba fiteny ity. DH: "mieritreritra"
Mosesy dia mampiasa fanontaniana mba hanamafisana fa mety hatahotra ireo firenena hafa ireo vahoaka. DH: "tsy afaka ny handresy azy ireo aho"
Fomba fiteny izany. DH: "tsy maintsy tsaroanao"
Eto ny hoe "maso" dia maneho izay hitan'ny olona. DH: "izay hitanao"
Eto ny hoe "tanana mahery" sy "sandry mitsotra" dia sarin-teny ho an'ny fahefan'i Yaveh. DH: "sy ny fahefana mahery." Adikao toy ny ao amin'ny 4:34 ity.
Mosesy manohy miteny amin'ny vahoakan'Israely ny tenin'i Yaveh toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
"Ary ihany koa"
Ireo mety ho heviny dia: 1) Andriamanitra dia handefa bibikely manidina izay manindrona olona sy mahatonga fanaintainana na 2) Andriamanitra dia hahatonga ny olona hihorohoro sy hitsoaka.
Fomba fiteny ity. DH: "mandra-pahafatin'izy ireo ka tsy hahitanao azy ireo intsony"
"Aza matahotra"
"Andriamanitra lehibe sy mampatahotra" na "Andrimanitra lehibe izay mahatonga ny olona hatahotra"
"moramora"
Mosesy manohy milaza amin'ny vahoakan'Israely ny tenin'Andriamanitra toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Fomba fiteny ity. DH: "hampandresy anao"
"fandresena amin'ireo tafika avy amin'ireo firenena hafa"
DH: "mandra-paharinganao azy ireo"
hamotika tanteraka ny olona rehetra avy amin'ireo firenena ireo, ary amin'ny ho avy dia tsy hisy hahatsiaro azy ireo.
"hitsangana manohitra anao" na "hiharo ny tenan'izy ireo manohitra anao"
Mosesy manohy milaza amin'ny vahoakan'Israely ny tenin'i Yaveh. Ao amin'ny andininy faha 25 dia dia miresaka amin'ny vondrona toy ny vondrona izy, noho izany dia "ianareo", fa ao amin'ny andininy faha 26 izy dia miresaka toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita, noho izany dia "ianao"
Baiko ity.
"ireo andriamanitr'ireo firenena hafa"
Ireo teny ireo dia manampy ny torolalana handoro ireo sampy.
Na dia ny fakàna ny volamena sy volafotsy amin'ireo sampy aza dia mety hahatonga ny olona hanomboka hanompo azy ireo. Amin'ny fanaovana izany dia ho lasa toy ny biby tratra anaty fandrika izy ireo. DH: "ho fandrika ho anareo izany"
Ireo teny ireo dia milaza ny antony hangatahan'i Yaveh ny olona mba handoro ireo sampy. "ataovy izany satria tena halan'i Yaveh Andriamanitrareo izany"
Ny teny hoe "mankahala" dia manamafy ny lanjan'ny fankahalana. DH: "hankahala tanteraka ianao"
Yaveh manozona sy mampanantena hamotika izany dia resahina toy ny hoe manokana ilay zavatra amin'ny zavatra hafa rehetra Yaveh. DH: "satria efa natokan'i Yaveh ho amin'ny faharavàna izany"
1 Aoka ho tananareo ireo didy rehetra izay omeko anareo androany, mba ho velona sy hihamaro ianareo, ary handeha ka hahazo ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambenareo. 2 Aoka ho tsaroanao ny lalana rehetra izay nitarihan'i Yaveh Andriamanitrao anao tamin'ny efapolo taona tany an'efitra, mba hampietreny anao, mba hitsapany anao hahafantarana izay ao am-ponao, raha hitàna ireo didiny ianao na tsia. 3 Nampietry anao Izy, sy nampanoana anao, ary namoky mana anao, izay tsy fantatrao ary tsy fantatr'ireo razanao. Nataony izany mba hahafantaranao fa tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona; fa kosa, ny zavatra rehetra izay aloakan'ny vavan'i Yaveh dia iveloman'ny olona. 4 Tsy rovitra ary tsy niala taminao ny akanjonao, ary tsy nivonto ny tongotrao nandritr'ireny efapolo taona ireny. 5 Aoka ianao hihevitra ao am-ponao, ny fomba hifehezan'ny ny olona ny zanany, dia tahaka izany no hifehezan'i Yaveh Andriamanitrao anao. 6 Hotànanao ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny lalany sy hanajanao Azy. 7 Fa Yaveh Andriamanitrao dia mitondra anao amin'ny tany soa, tanin-dohasahan-driaka, loharano, mikoriana avy amin'ireo lohasaha ary eny anivon'ny havoana; 8 tanim-barim-bazaha sy vary hordea, voaloboka, hazon'aviavy, ary ampongaben-danitra; tanin'oliva sy tantely. 9 Tany izay hihinananao hanina tsy lany laniana, ary izay handehananao tsy hisy zava-mahory; tany izay misy vy ny vatony, ary avy ao amin'ny havoany no hiadianao varahina. 10 Hihinana ianao ary ho voky, ary hisaotra an'i Yaveh Andriamanitrao ianao nohon'ny tany soa izay efa nomeny anao. 11 Tandremo mba tsy hanadino an'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary tsy hanao tsinontsinona ireo didiny, ireo fitsipiny, ary ireo lalàny izay handidiko anao androany, 12 raha tsy izany, rehefa mihinana ianao ary voky, ary rehefa manorina trano tsara tarehy ary mipetraka ao amin'izany, dia hirehareha ny fonao. 13 Tandremo rehefa mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman'osinao ary mitombo ny volafotsy sy ny varahinao, ary mitombo izay rehetra hanananao, 14 dia hirehareha ny fonao ary adinonao i Yaveh Andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta, avy tao amin'ny trano fanandevozana. 15 Aza manadino Azy izay nitarika anao tany amin'ny tany efitra lehibe sy mampatahotra, miaraka amin'ny menarana misy poizina sy maingoka ary tany ngazana izay tsy nisy rano, izay namoaka rano ho anao avy tao amin'ny vatolampy afovato. 16 Namoky mana anao tany an'efitra Izy izay tsy mba fantatr'ireo razambenao, mba hahafahany mampietry anao sy mitsapa anao, mba hanasoa anao amin'ny farany, 17 fa ianao mety hiteny ao am-ponao hoe: 'Ny heriko sy ny herin'ny tanako no nahazoako ireto harena rehetra ireto.' 18 Fa aoka hahatsiaro an'i Yaveh Andriamanitrao ianao, satria Izy no manome anao ny hery hahazoana harena; mba hanorenany ny fanekeny izay nianianany tamin'ireo razanao, tahaka izao anio izao. 19 Ary raha hanadino an'i Yaveh Andriamanitrao ianao ary hanaraka andriamanin-kafa, hanompo azy ireo, ary hiankohoka amin'izy ireo, dia mijoro vavolombelona aminareo aho anio fa ho faty tokoa ianareo. 20 Tahaka ireo firenena izay nataon'i Yaveh ringana teo anatrehanareo, dia ho toy izany no haharingana anareo, satria tsy mihaino ny feon'i Yaveh Adriamanitrareo ianareo.
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
"Ianareo" avokoa ny eto.
Fomba fiteny ity. DH: "tsy maintsy tsaroinao"
"40 taona"
"mba hampisehoany anao ny maha-malemy sy mpanota anao"
"mba hanambarana" na "mba hampisehoana"
Ny fo dia famantarana ny toetran'olona iray. DH: "hoe karazan'olona manao ahoana ianao" na "manao ahoana ny fitondran-tenanao"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo. Manohy mampatsiahy ny olona ny amin'izay tokony ho "tsaroan"'izy ireo izy.
"Yaveh dia nampiseho anao ny maha-malemy sy mpanota anao." Jereo fomba ny nandikana ny hoe "mba hampietreny anao" ao amin'ny 8:1.
"nanome manao anao mba hohanina"
Eto ny hoe "mofo" dia maneho ny sakafo rehetra. DH: "tsy ny mofo ihany no zavatra ilain'ny olona mba hiveloman'izy ireo"
Eto ny hoe "vavan'i Yaveh" dia sarinteny hilazana ireo teny izay lazain'i Yaveh. DH: "tokony hankato ireo didin'i Yaveh ny olona mba ho velona" na "tokony manao izay asain'i Yaveh ataon'izy ireo ny olona mba ho velona"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Ity no zavatra farany tokony "tsaroan'izy ireo" (8:1).
"40 taona"
Tohin'ireo didy izay manomboka ao amin'ny 8:1 ity.
Eto ny hoe "fo" dia maneho ireo eritreritra sy fahatakaran'ny olona iray. DH: "ho takatrao"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
"tany izay misy lohasaha"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
DH: "tany izay ho feno sakafo ho anao"
DH: "izay hahazoanao ny zavatra rehetra ilainao"
Feno vato ireo vato. Ny vy dia metaly tena mafy izay ampiasaina ho an'ireo sabatra sy angady.
"hitrandrahana varahina." Ny varahina dia metaly malefaka fanaovana fanaka ao an-tokantrano.
"hahazo sakafo sahaza tsara ianao mandrapahavokinao"
"hidera"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
"aza mitsahatra mankato ireo didiny" na "tohizo ny fankatoavana ireo didiny"
"rehefa mahazo sakafo ampy hohanina tsara ianao"
Eto ny hoe "fo" dia maneho ny ao anatin'ilay olona. DH: "ho lasa mpirehareha ianao ary tsy hankato an'i Yaveh intsony"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
"ireo ombinao sy biby fiompy ary ireo andian'ondry sy osy"
"mitombo isa" na "lasa maro be"
DH: "manana zavatra maro be kokoa" na "manana fananana maro kokoa"
Eto ny hoe "fo" dia maneho ny ao anatin'ilay olona. Jereo ny nandikanao fehezanteny mitovitovy ao amin'ny 8:11. DH: "lasa mirehareha sy tsy mankato an'i Yaveh intsony ianao"
Mosesy manohy mampatsiahy ireo Israelita ny amin'izay fantatr'izy ireo momban'i Yaveh.
Sarinteny ho an'ny fotoana naha-andevo azy ireo tany Egypta ity. DH: "avy tao amin'ny toerana nanandevozana anareo"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Mosesy dia manohy mampatsiahy ireo Israelita ny amin'izay fantatr'izy ireo momban'i Yaveh (8:13).
"Yaveh, izay nitarika ... Yaveh, izay namoaka ... Yaveh dia namoky"
"bibilava misy poizina"
Ity dia mamaritra ny tany ho mangetaheta toy ny olona mangetaheta rehefa mila rano. DH: "tany maina"
"mba hanampy anao" na "satria hahatsara anao izany"
Ity ny zavatra fahatelo mety ataon'ny olona rehefa "lasa mirehareha" ny fon'izy ireo ary "manadino an'i Yaveh" (8:13). Eto ny hoe "fo" dia sarinteny hilazana ny eritreritry ny olona iray ao anaty. DH: "fa ianao mety hieritreritra amin'ny tenanao"
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ny hery na fahaizan'ny olona iray. DH: "Nahazo ity harena ity aho satria matanjaka sy mahery" na "nahazo ireto zavatra rehetra ireto tamin'ny heriko sy ny fahaizako manokana aho"
Mosesy dia manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Baiko ity. DH: "Fa tsarovy"
Ireo mety ho heviny dia: 1) "amin'izany fomba izany izy dia hametraka" na "amin'izany fomba izany izy dia mahatoky ny hametraka."
"ka afaka"
"manatanteraka" na "mihazona"
"tahaka ny ataony amin'izao" na "tahaka ny hametrahany ny fanekeny amin'izao"
Ny hoe manaraka dia sarinteny ho an'ny fankatoavana. DH: "hanompo andriamanitra hafa"
Ianareo avokoa ny eto satria maro be.
"mampitandrina anareo aho" na "milaza aminareo eo anatrehan'ny vavolombelona aho"
"eo anoloanareo"
Eto ny hoe "feon'i Yaveh" dia midika hoe izay asain'i Yaveh ataon'ny olony. DH: "tsy mankato ireo didin'i Yaveh"
1 Mihainoa, ry Israely; efa hiampita an'i Jordana ianao anio, mba handeha haka ireo firenena lehibe sy mahery nohon'ny tenanao, sy ho amin'ireo tanàna izay lehibe misy manda manakatra ny lanitra, 2 dia vahoaka vaventy sady lava, ireo zanaka lahin'ny Enakita, izay fantatrao, ary izay efa nandrenesanao ny olona nilaza hoe: 'Iza no afaka hitsangana manoloana ireo zanaka lahin'i Anàka?' 3 Fantaro ary ankehitriny fa Yaveh Andriamanitrao no mialoha lalana anao tahaka ny afo mandevona; handringana azy ireo Izy, ary handresy azy ireo eo anoloanao; ka handroaka azy ianao ary ho vonoinao faingana izy ireo, araka izay efa nolaizain' Yaveh taminao. 4 Aza milaza ny ao am-ponao, rehefa voaroakan'i Yaveh Andriamanitrao tsy ho eo anoloanao izy ireo hoe: 'Nohon'ny fahamarinako no nitondran'i Yaveh ahy ho tompon'ny ity tany ity,' satria nohon'ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no nahatonga an'i Yaveh handroaka azy tsy ho eo anoloanao. 5 Tsy nohon'ny fahamarinanao na ny fahitsim-ponao no hahatonga anao ho tompon'ny tanin'izy ireo, fa nohon'ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no mahatonga ny Andriamanitrao handroaka azy ireo tsy ho eo anoloanao, ary mba hahafahany manatanteraka ny fahamarinan'ny teny izay nianianany tamin'ireo razambenao, dia tamin'i Abrahama, Isaka ary Jakoba. 6 Koa aoka ho fantatrao, fa tsy nohon'ny fahamarinanao no hanomezan'i Yaveh Andriamanitrao io tany tsara io ho lasanao, fa olona mafy loha ianao. 7 Tsarovy ary aza adinoina ny nihantsianao ny fahatezeran'i Yaveh Andriamanitrao tany an'efitra; hatramin'ny andro nandaozanao ny tany Egypta ka hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity toerana ity, dia nikomy nanohitra an'i Yaveh hatrany ianareo. 8 Tany Horeba ihany koa dia nihantsy ny fahatezeran'i Yaveh ianareo, ary tena tezitra taminareo Yaveh ka saika handringana anareo. 9 Rehefa niakatra ho any an-tendrombohitra aho mba handray ireo vato fisaka, dia ireo vato fisaky ny fanekena izay nataon'i Yaveh niaraka taminao, nitoetra tany an-tendrombohitra nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina aho; tsy nihinana mofo na nisotro rano aho. 10 Nomen'i Yaveh ahy ireo vato fisaka roa nosoratan'ny tanany; voasoratra teo amin'ireo ny zavatra rehetra araka ny teny rehetra izay nambaran'i Yaveh anareo tany an-tendrombohitra teo afovoan'ny afo tamin'ny andron'ny fivoriana. 11 Ary rehefa tapitra ny efapolo andro sy efapolo alina dia nomen'i Yaveh ahy ireo vato fisaka roa, dia ireo vato fisaky ny fanekena. 12 Hoy Yaveh tamiko hoe: 'Mitsangana, midina faingana avy eto, fa ireo vahoakanao, izay nentinao avy tany Egypta, dia efa nanimba ny tenan'izy ireo. Nalaky nivily tamin'ny lalana nandidiko azy izy ireo. Izy ireo dia nanamboatra sarin-javatra an'idina ho azy ireo.' 13 Ankoatra izany, niresaka tamiko Yaveh ary nilaza hoe: 'Efa hitako ireto vahoaka ireto; vahoaka mafy loha izy ireo. 14 Avelao irery aho, mba hahafahako mandringana azy ireo sy mamafa ny anarany tsy ho eo ambanin'ny lanitra, ary hataoko ho firenena mahery sy lehibe noho izy ireo ianao.' 15 Noho izany dia nihodina aho ary nidina avy eny an-tendrombohitra, ary dia nirehitra ny tendrombohitra. Tety an-tanako ireo vato fisaka roan'ny fanekena. 16 Nijery aho, ary indro, nanota tamin'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo. Namolavola zanak'omby ho anareo ianareo. Nalaky nivily tamin'ny lalana izay nandidian'i Yaveh anareo ianareo. 17 Nalaiko ireo vato fisaka roa ary nariako tsy ho eo an-tanako ireo. Novakiko teo imasonareo izany. 18 Niankohoka efapolo andro sy efapolo alina teo anatrehan'i Yaveh indray aho; tsy nihinana mofo aho na nisotro rano, nohon'ny amin'ireo fahotanareo rehetra izay nataonareo, tamin'ny nanaovanareo izay ratsy teo imason'i Yaveh, mba hanetsehana ny fahatezerany. 19 Fa natahotra ny fahatezerana sy ny firehetan'ny tsy fankasitrahana izay tena nahatezitra an'i Yaveh taminareo ka saika handringana anareo aho. Fa nihaino ahy ihany koa Yaveh tamin'izany fotoana izany. 20 Tezitra mafy tamin'i Arona Yaveh ka saika handringana azy; tamin'io dia nivavaka ho an'i Arona ihany koa aho. 21 Nalaiko ny fahotanareo, ny zanak'omby izay namboarinareo, ka nodorako izany, nokapohiko, ary notorotoroiko ho tena bitika, mandra-pahatonga azy ho madinika tahaka ny vovoka. Nariako tany amin'ny renirano izay mikoriana avy any an-tendrombohitra ny vovony. 22 Tany Tabera, tany Masa, ary tany Kibrota-hatava no niantsinareo ny fahaviniran'i Yaveh. 23 Rehefa nandefa anareo hiala tao Kadesi-Barnea Yaveh ary niteny hoe: 'Mandehana miakatra ary alaivo ho fananana ilay tany izay nomeko anareo,' dia nikomy nanohitra ny didin'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, ary tsy nino na nihaino ny feony. 24 Nikomy nanohitra an'i Yaveh ianareo hatramin'ny andro nahafantarako anareo. 25 Ary niankohoka efapolo andro sy efapolo alina teo anatrehan'i Yaveh aho, satria Izy niteny fa handringana anareo. 26 Nivavaka tamin'i Yaveh aho ary niteny hoe: "Ry Yaveh Tompo, aza haringana ireo vahoakanao na ireo mpandovanao izay navotanao tamin'ny fahalehibiazanao, izay nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny tanana mahery. 27 Tsarovy Abrahama, Isaka, ary Jakoba mpanomponao; aza mijery ny hamafisan-dohan'ity vahoaka ity, na ny haratsiam-panahiny, na ireo fahotany, 28 fandrao ny tany izay nitondranao anay hiteny hoe: "Satria Yaveh tsy afaka nitondra azy ireo tany amin'ilay tany izay nampanantenainy azy ireo, ary satria nankahala azy ireo Izy, no nitondrany azy ireo nivoaka mba hamonoana azy ireo any an'efitra." 29 Kanefa vahoakanao sy lovanao ireo, izay nentinao nivoaka tamin'ny herinao lehibe sy tamin'ny fiasan'ny herinao.'
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Ny teny hoe "Israely" dia sarinteny ho an'ny vahoakan'Israely. DH: "Mihainoa, ry vahoakan'Israely"
Ity dia fanatomboana resaka izay manamafy ny tahotr'ireo olona satria lehibe sy mahery ilay tanàna. Jereo ny fomba nandikanao teny mitovitovy tao amin'ny 1:26. DH: "misy manda tena avo"
Taranak'ireo vahoaka Anàka izay tena vaventy sy masiaka. Jereo ny fomba nandikanao teny mitovitovy tao amin'ny 1:26.
Ity dia midika fa ireo zanaka lahin'i Anàka dia matanjaka ary natahotra azy ireo ny vahoaka. DH: "Tsy hisy afaky ny hiaro ny tenany amin'ireo zanaka lahin'i Anàka."
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Yaveh dia mahery ary afaka mamotika ny tafik'ireo firenena hafa.
"hampalemy azy ireo ka afaka ny hamehy azy ireo ianao"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Eto ny hoe "fo" dia midika hoe "ao an'eritreritrao." DH: "Aza mieritreritra ny tenanao"
"rehefa voaroakan'i Yaveh ireo olona hafa"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Fomba fiteny ity. "satria nieritreritra sy naniry ireo zavatra marina foana ianao"
Eto ny sarinteny hoe "teny" dia maneho izay nampanantenain'i Yaveh. DH: "mba hahafahany manatanteraka ilay fampanantenana"
Abrahama, Isaka, ary Jakoba no "razambe" resahan'i Mosesy.
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Mosesy dia mamerina ny didy mitovy mba hanamafisana ny lanjan'ny fitadidiana. DH: "aoka ho tsaroanao tsara"
Eto ny hoe "ianao" dia maneho ireo Israelita izay nanatrika niaraka tamin'i Mosesy sy ireo Israelitan'ny taranaka teo aloha.
"ianareo" avokoa ireto.
Ity dia maneho ny Lohasahan'ny renirano Jordana.
Mosesy dia mampatsiahy ny vahoakan'Israely ny amin'izay nitranga tany aloha.
Eto ny fehezanteny faharoa dia manamafy fa "ireo vato fisaka" no nanoratan'Andriamanitra ireo didy folo.
"40 andro sy 40 alina"
DH: "Nosoratan'i Yaveh teo amin'ireo ny teny izay nolazainy anareo"
Izany dia toy ny hoe olona mijoro eo afovoan'ny afo Yaveh ary miresaka amin'ny feo mafy.
Ny hoe "fivoriana" dia afaka atao hoe "fiangonana." DH: "tamin'ny andro izay nahatongavan'ireo Israelita sy nihaona teo amin'ny toerana iray"
"40 andro sy 40 alina"
Ny fehezanteny faharoa dia manazava fa "ireo vato fisaka roa" no nanoratan'Andriamanitra ireo didy folo.
"ireo vahoakano ... dia manao izay ratsy." Misy teny mitovitovy hita ao amin'ny 4:15.
Mosesy dia miresaka toy ny hoe mandeha amin'ny lalana ny fankatoavana ireo didin' Andriamanitra. DH: "Efa tsy nankatoa ireo didiko izy ireo"
"mampanjavona tanteraka ny anaran'izy ireo" na "mamono azy rehetra mba tsy hisy hahatsiaro ireny mihintsy." Jereo ny fomba nandikanao fehezanteny mitovitovy tao amin'ny 7:23.
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Israely ny amin'izay nitranga tany aloha.
Ny teny hoe "indro" eto dia mampiseho fa taitra tamin'ny zavatra hitany Mosesy.
Ireo Israelita tamin'ny taranaka teo aloha dia nangataka an'i Arona mba hanao zanak'omby vita amin'ny vy mba hahafahan'izy ireo manompo izany. Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fanambarana ity.
Mosesy dia miresaka toy ny hoe mandeha amin'ny lalana ny fankatoavana ireo didin' Andriamanitra. DH: "Nalaky tsy nankato izay nandidin'i Yaveh anareo ianareo." Misy teny mitovitovy hita ao amin'ny 9:11.
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan' Israely momban'izay nitranga tany aloha.
Eto ny hoe "maso" dia fibangoan-teny ho an'ny vahoakan'Israely. DH: "Novakiko teo anoloanareo izany" na "Novakiko teo amin'izay hahafahanareo mahita izany ireo"
"nampiankohoka ny tavako tamin'ny tany." Ity dia fomba iray hanehoana fa Yaveh dia lehibe ary Mosesy tsia.
"40 andro sy 40 alina"
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan' Israely ny amin'izay nitranga tany aloha.
Ny teny hoe "fahatezerana sy firehetan'ny tsy fankasitrahana" dia sarinteny ny amin'izay ho ataon'i Yaveh satria tezitra sy tsy nankasitraka Izy. DH: "Tezitra taminareo Yaveh—tena tsy nankasitraka tanteraka anareo Izy—ampy hamotehana anareo ny fahatezerany, ka noho izany dia natahotra ny amin'izay mety ho ataony aho"
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan' Israely momban'izay nitranga tany aloha.
Mety nibaiko ireo olona hafa mba hanao ilay asa i Mosesy. DH: "Izaho dia nanana olona haka ... handoro ... hikapoka ... hanorotoro ... hanary"
ilay zanak'omby volamena. DH: "ilay sampy izay nampanota anareo tamin'ny fanamboarana"
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Israely momban'izay nitranga tany aloha.
Anaran-toerana izay nandehanan'ireo vahoakan' Israely ireo tamin'izy ireo tany an'efitra.
Teny amin'ny tany iva izy ireo, ary ny tany izay nolazain'i Yaveh azy ireo mba halaina dia teny amin'ny havoana, koa nila niakatra izy ireo mba hahazoana izany.
Ny teny hoe "didy" dia sarinteny hanehoana an'i Yaveh mihitsy. DH: "nikomy nanohitra an'i Yaveh; tsy nankato ny didy ianareo"
Eto ny hoe "feony" dia midika an'izay nolazain' Andriamanitra. DH: "nankato izay nolazainy"
"hatramin'ny andro nanombohako nitarika anareo." Ny fandikan-teny sasany dia mivaky hoe "hatramin'ny andro nahafantarany anareo," ilay andro izay nahafantaran'i Yaveh azy ireo voalohany.
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan' Israely momban'izay nitranga tany aloha.
"nampiankohoka ny tavako tamin'ny tany." Adikao toy ny tao amin'ny 9:17 ity.
"40 andro sy 40 alina"
Mosesy dia miresaka toy ny hoe nanavotra an'ireo Israelita tamin'ny alalan'ny fandoavana vola mba hanafahana azy ireo amin'ny fanandevozana Yaveh. DH: "izay novonjenao"
Ny teny hoe "fahalehibiazana" dia sarinteny ho an'ny fahefana lehiben'i Yaveh. DH: "tamin'ny alalan'ny fahefanao lehibe"
Eto ny hoe "tanana mahery" dia maneho ny fahefan'i Yaveh. DH: "tamin'ny fahefanao lehibe." Misy teny mitovitovy hita ao amin'ny 4:34.
Mosesy manohy mivavaka amin'i Yaveh mba tsy handringanany ny vahoakan'Israely.
Fomba fiteny ity. DH: "Tadidio"
Ny teny hoe "tany" dia sarinteny ho an'ny vahoakan'i Egypta. DH: "fandrao ny vahoakan'i Egypta"
"afaka hiteny"
Ireo teny ireo dia manana dika mitovy ary manamafy ny halehiben'ny fahefan'i Yaveh izay nampiasainy hamonjena ny vahoakany.
1 Hoy Yaveh tamiko tamin'izany fotoana izany hoe: 'Manamboara vato fisaka roa tahaka ilay voalohany, dia miakara aty amiko aty an-tendrombohitra, ary manaova fiara vita amin'ny hazo. 2 Hosoratako ao anatin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tao anatin'ireo vato fisaka voalohany izay nopotehinao, ka hapetrakao ao anatin'ilay fiara ireo.' 3 Koa nanamboatra fiara tamin'ny hazo akasia aho, ary nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay voalohany aho, dia niakatra teny an-tendrombohitra aho, niaraka tamin'ireo vato fisaka roa teny an-tanako. 4 Nosoratany tamin'ireo vato fisaka, tahaka ilay asa soratra voalohany, ny didy folo izay nolazain'i Yaveh taminareo tany an-tendrombohitra teo afovoan'ny afo tamin'ny andron'ny fivoriana; dia nomen'i Yaveh ahy ireo. 5 Dia nihodina aho ary nidina ny tendrombohitra, ka nametraka ireo vato fisaka tao anatin'ilay fiara izay namboariko; dia tao izy ireo, araka ny nandidian'i Yaveh ahy." 6 (Niainga niala tao Berota Bene-Jakana ho any Mosera ny vahoakan'Israely. Tao no maty i Arona, ary tao izy no nalevina; Eleazara, zanany lahy, no lasa mpisorona nandimby ny toerany. 7 Nizotra nankany Godgoda izy ireo rehefa niala tao, ary avy tao Godgoda nankany Jotbata, tany iray be ony. 8 Tamin'izany fotoana izany Yaveh nisafidy ny fokon'i Levy mba hitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, hijoro eo anoloan' i Yaveh mba hanompo Azy, sy hitso-drano ny olona amin'ny anarany, tahaka ny ankehitriny. 9 Noho izany no tsy hananan'i Levy anjara na lova amin'ny tany miaraka amin'ireo rahalahiny; fa Yaveh no lovany, araka izay nolazain'i Yaveh Andriamanitrao taminy.) 10 Nitoetra tao an-tendrombohitra tahaka ny tamin'ny voalohany aho, efapolo andro sy efapolo alina. Nihaino ahy ihany koa Yaveh tamin'izany fotoana izany; tsy naniry ny handringana anao Yaveh. 11 Hoy Yaveh tamiko hoe: 'Miarèna, mandehana eo alohan'ny vahoaka hitarika azy ireo amin'ny diany. Dia hiditra izy ireo ary haka ny tany izay efa nianianako tamin'ireo razambeny fa homena azy ireo.' 12 Koa ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin'i Yaveh Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny fatahorana an'i Yaveh Andriamanitrao, ny handehanana amin'ny lalany rehetra, ny hitiavana azy, ary ny hanompoana an'i Yaveh Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo, 13 ny fitandremana ireo didin'i Yaveh, sy ireo lalàny, izay handidiako anao anio mba ho soa ho anao manokana? 14 Indro, Yaveh Andriamanitrao no tompon'ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra, ny tany, sy izay rehetra ao amin' ireo. 15 Yaveh irery ihany no nankasitraka ireo razanao nohon'ny fitiavany azy ireo, ary nifidy anareo Izy, ianao taranany, taorian'izy ireo, mihoatra noho ireo olona hafa, tahaka ny ataony mandrak'ankehitriny. 16 Koa forao ny fonareo, ary meteza tsy ho mafy hatoka intsony. 17 Fa Yaveh Andriamanitrao, no Andriamanitr'ireo andriamanitra ary Tompon'ireo tompo, ilay Andriamanitra lehibe, ilay mahery sy mampahatahotra, izay tsy mizaha tavan'olona ary tsy mandray kolikoly. 18 Manome rariny ny kamboty sy ny mananotena Izy, ary maneho fitiavana ny vahiny amin'ny alalan'ny fanomezana sakafo sy akanjo ho azy Izy. 19 Tiavo ny vahiny noho izany; satria ianareo dia efa vahiny tany amin'ny tany Egypta. 20 Yaveh Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no ho tompoinao. Aminy ianao no tsy maintsy hifikitra; ary amin'ny anarany no hianiananao. 21 Izy no fideranao, ary Izy no Andriamanitrao, izay efa nanao ireo zava-dehibe sy ireo zavatra mampahatahotra ho anao, izay efa hitan'ny masonao. 22 Fitopolo olona ireo razanao no nidina tany Egypta; fa ankehitriny efa nataon'i Yaveh Andriamanitrao ho maro isa tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra ianao.
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan' Israely momban'izay nitranga tany aloha.
"rehefa avy nivavaka aho"
ny "voalohany" dia isa. Maneho ireo vato fisaka voalohany izay novakian'i Mosesy izany.
Eto ny hoe "tendrombohitra" dia maneho ny Tendrombohitra Sinay.
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Israely momban'izay nitranga tany aloha.
Eto ny hoe "voalohany" dia maneho ireo vato fisaka voalohany. DH: "mitovy amin'ireo vato fisaka 2 voalohany"
"niakatra teny amin'ny Tendrombohitra Sinay"
Izany dia toy ny hoe olona mijoro eo afovoan'ny afo Yaveh ary miteny amin'ny feo mafy. Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 9:9 ity.
Ny hoe "fivoriana" dia afaka atao hoe "fiangonana." DH: "tamin'ny andro nahatongavan' ireo Israelita sy niara-nihaona tao amin'ny toerana iray." Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 9:9 ity.
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan' Israely momban'izay nitranga tany aloha.
Mosesy eto no miteny.
"nidina avy eny amin'ny Tendrombohitra Sinay"
Ny mpanoratra dia manome fampahafantarana fohy ny amin'izay nandehanan'ireo Israelita.
Ity dia manome fampahafantarana fototra momban'izay nandehanan'ireo vahoakan'Israely. Mandrakotra ny fahafatesan'i Arona tany Mosera ihany koa ity.
Anaran-toerana samihafa izay nalehan'ireo vahoakan'Israely tamin'ny tany an'efitra ity.
Mety hanampy fanamarihana ny mpadika teny hoe: "Ny anarana 'Berota Bene-Jakana' dia midika hoe 'fantsakana izay an'ireo vahoakan'i Jakana."
DH: "tany no nandevenan'izy ireo azy" na "nalevin'ireo Israelita tany izy"
Anaran'ny zanaka lahin'i Arona ity.
Ny mpanoratra dia manome fampahafantarana fototra momban'ny fokon'i Levy.
Fomba fiteny ity. "mba hanolotra ireo sorona izay takian'i Yaveh"
"amin'ny fahefan'i Yaveh" na "ho mpisolotena an'i Yaveh"
"tahaka ny ataon'izy ireo ankehitriny"
Ny fokon'i Levy dia tsy nahazo anjara tamin'ireo tany nampanantenaina rehefa tonga tany izy ireo.
Yaveh dia miresaka ny fifandraisana miavaka izay ho ananan'i Arona sy ireo taranany Aminy toy ny hoe zavatra izay ho lovain'izy ireo Yaveh. DH: "Yaveh no ho azon'izy ireo" na "Yaveh dia hamela azy ireo hanompo Azy ary hamatsy azy ireo amin'izany fanompoana izany"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia ianao no ampiasaina eto.
"nolazain'i ... tamin'ny fokon'i Levy"
Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan' Israely momban'izay nitranga tany aloha.
ny "voalohany" dia isa. Eto izany dia maneho ny fotoana voalohany niakaran'i Mosesy tany amin'ny Tendrombohitra Sinay mba handray ireo vato fisaka avy amin'i Yaveh. "tahaka ny nataoko tamin'ny voalohany"
"40 andro sy 40 alina"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
"haka fananana ilay tany"
Ity dia maneho an'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba.
"izay homeko anareo, taranak'izy ireo"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Eto ny sarinteny hoe "Israely" dia maneho ny vahoakan'Israely. DH: "Koa ankehitriny, ry vahoakan'Israely"
Mosesy dia mampiasa fanontaniana mba hampianarana ny vahoakan'Israely. Ity fanontaniana ity dia afaka atao fanambarana. DH: "izao no angatahan'i Yaveh Andriamanitrao aminao: dia ny hatotra ... ho soa ho anao manokana."
Mosesy dia miresaka ny fankatoavana an'i Yaveh toy ny hoe mandeha amin'ny lalana. DH: "ny hankatoavana ireoo didiny rehetra"
Ny fomba fiteny hoe "amin'ny fonao manontolo" dia midika hoe "tanteraka" ary ny hoe "amin'ny fanahinao manontolo" dia midika hoe "amin'ny maha-izy anao tanteraka." Manana dika mitovitovy ireo fehezanteny roa ireo. Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 4:29. DH: "amin'ny maha-izy anao" na "amin'ny tanjakao rehetra"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Ny teny hoe "indro" dia manamafy fa manan-danja izay lazaina manaraka. "tandremo" na "henoy"
Ireo teny ireo dia mampiseho fiafarana roa, ary natambatra mba hilazana fa ny zavatra rehetra na aiza na aiza dia an'i Yaveh.
Ity dia maneho ireo toerana avo indrindra any an-danitra. Ny zavatra rehetra any an-danitra dia an'Andriamanitra.
Eto ny teny hoe "anao" dia maneho an'ireo Israelita rehetra, noho izany maro be
"noho izany"
Ny teny hoe "lohatsitsy" dia maneho ilay hoditra mivalona amin'ny faritra saro-padin'ny lehilahy izay esorina mandritry ny famoràna. Eto Mosesy dia maneho ny famoràna ara-panahy. Izany dia midika fa tsy maintsy manala ny fahotana amin'ny fiainan'izy ireo ny olona.
"ilay Andriamanitra fara tampony" na "ilay Andriamanitra tokana marina"
"ilay Tompo fara tampony" na "ilay Tompo lehibe indrindra"
"ilay mahatonga ny olona hatahotra"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo vahoakan' Israely.
"Yaveh dia maka antoka fa mitondra ny kamboty ara-drariny ny olona"
Izany dia ireo ankizy izay efa maty ny ray aman-dreniny ary tsy manana havana hikarakara azy ireo.
Ny tena mananotena marina dia vehivavy izay maty vady ary tsy manana zanaka hikarakara azy amin'ny fahanterany.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia tokony "ianao" avokoa no ampiasaina.
"Izy ilay iray izay tsy maintsy tompoinao"
Ny fananana fifandraisana tsara amin'i Yaveh sy mifandray tanteraka aminy dia resahana toy ny hoe mifikitra amin'i Yaveh ilay olona. DH: "Tsy maintsy mifandray aminy ianao" na "Izy no hany tokana tsy maintsy hifandraisanao"
Ny hoe mianiana amin'ny anaran'i Yaveh dia midika hoe manao an'i Yaveh ho fototry ny hery izay nanaovana ilay fianianana. Eto ny hoe "anarana" dia maneho an'i Yaveh. Jereo ny fomba nandikanao fehezanteny mitovitovy tao amin'ny 6:13. DH: "hianiana ianao ary hangataka amin'i Yaveh mba hanamafy izany" na "rehefa mianiana ianao dia hiteny ny anarany"
Eto ny hoe "maso" dia maneho ilay olona iray manontolo. DH: "izay hitanareo mihintsy"
Ireo mety ho heviny dia: 1) "Izy ilay iray izay tokony derainao" na 2) "satria midera Azy ianao dia hidera anao ireo olona hafa"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo vahoakan' Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"nandeha nianatsimo any Egypta" na "nankany Egypta"
"70 olona"
Ity dia manamafy ny habetsaky ny isan'ireo Israelita izay niaraka tamin'i Mosesy. DH: "mihoatra noho izay afaka isainao"
1 Noho izany dia aoka hitia an'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo ary hitandrina mandrakariva ireo fampianarany, ny lalàny, ny fitsipiny, ary ireo didiny. 2 Mariho fa tsy miteny amin'ireo zanakareo Aho, izay tsy nahafantatra akory na nahita ny fanasazian'i Yaveh Andriamanitrareo, ny fahalehibeazany, ny tanany mahery, na ny tanany mitsotra, 3 ireo famantarana sy asa izay nataony tany afovoan'i Egypta tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ary tamin'ireo taniny rehetra. 4 Na nahita ny nataony tamin'ny tafik'i Egypta, tamin'ireo soavaliny, na tamin'ny kalesin'izy ireo, ny fomba nanaovany ny Ranomasina Mena handifotra azy ireo raha nanenjika anareo izy ireo, ary ny fomba nandringanan'i Yaveh azy ireo mandrak'androany, 5 na izay nataony ho anareo tany an'efitra mandra-pahatonganareo tamin'ity toerana ity. 6 Tsy hitan'izy ireo izay nataon'i Yaveh tamin'i Datana sy Abirama, ireo zanak'i Eliaba zanaka lahin'i Robena, izay fomba nanokafan'ny tany ny vavany ary nitelina azy ireo, ny ankohonan'izy ireo, ny lain'izy ireo, ary izay zava-manan'aina rehetra nanaraka azy ireo, teo afovoan'Israely rehetra. 7 Fa ny masonareo no efa nahita ireo asa lehiben'i Yaveh rehetra izay nataony. 8 Noho izany tandremo ireo didy rehetra izay handidiako anareo anio, mba hahatonga anareo hatanjaka, ka hiditra sy haka ny tany izay hitànareo mba ho fananana, 9 ary mba ho lava andro ianareo any amin'ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razanareo fa homena azy ireo sy ny taranak'izy ireo, izay tany tondra-dronono sy tantely. 10 Fa ny tany, izay hidiranareo mba hahazoana izany, dia tsy tahaka ny tanin'i Egypta, izay niavianareo, izay namafazanareo ny voanareo sy nanondrahanareo rano izany tamin'ny tongotrareo, tahaka ny sahana hanitra maitso; 11 fa ny tany, izay halehanao mba ho fananana, dia tanin-kavoana sy lohasaha, ary misotro rano avy amin'ny ranon'oran-danitra, 12 ny tany izay karakarain'i Yaveh Andriamanitrareo; ny mason'i Yaveh Andriamanitrareo no mitsinjo izany mandrakariva, hatramin'ny fiandohan'ny taona ka hatramin'ny fiafaran'ny taona. 13 Izany dia hitranga, raha hihaino tsara ireo didiko izay handidiako anareo anio ianareo, dia ny hitia an'i Yaveh Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin'ny fonareo sy ny fanahinareo manontolo, 14 mba hanomezako ranon'orana amin'ny taninareo amin'ny vanim-potoany, dia ny voaloha-orana sy ny fara-orana, mba hahafahanareo manangona ny varinareo, ny divainareo vaovao, ary ny diloilonareo. 15 Hanisy ahitra amin'ny taninareo Aho ho an'ireo biby fiompinareo, ary hihinana ianareo ka ho voky. 16 Tandremo ny tenanareo mba tsy ho voafitaka ny fonareo, ka hivily sy hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka amin'izy ireo ianareo; 17 mba tsy hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Yaveh; ary mba tsy hampikatona ny lanitra Izy mba tsy hisian'ny ranon'orana, ary ny tany tsy hamoa ny voany, ary mba tsy haharingana anareo faingana amin'ny tany soa izay omen'i Yaveh anareo. 18 Noho izany raketo ao am-po sy fanahinareo ireo teniko ireo, fehezo ho famantarana eo amin'ny tananareo izany, ary avelao izany ho fehiloha eo anelanelan'ireo masonareo. 19 Hampianarinareo ireo zanakareo izany ary miresaha momba azy ireo rehefa mipetraka ao an-trano ianareo, rehefa mandeha eny an-dalana, rehefa mandry, na rehefa mifoha ianareo. 20 Ho soratanareo eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonareo sy eo amin'ny vavahadin'ny tanànanareo izany, 21 mba hihamaro ny andronareo sy ny andron'ireo zanakareo any amin'ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambenareo omena azy ireo raha mbola ambonin'ny tany koa ny lanitra. 22 Fa raha mitandrina tsara ny didy rehetra izay handidiako anareo ianareo, ka manao izany, hitia an'i Yaveh Andriamanitrareo, handeha amin'ny lalany rehetra, ary hifikitra Aminy, 23 dia handroaka ireo firenena rehetra ireo hiala eo anatrehanareo i Yaveh, ary ianareo dia handroaka firenena lehibe sy mahery noho ianareo. 24 Izay toerana hitsahin'ny faladian-tongotrareo dia ho anareo; hatrany an'efitra ka hatrany Libanona, hatrany amin'ny renirano, ny renirano Eofrata, ka hatrany amin'ny ranomasina andrefana dia ho faritaninareo. 25 Tsy hisy olona hahajoro eo anoloanareo. Yaveh Andriamanitrareo no hametraka ny tahotra anareo sy ny horohoro anareo amin'ny tany rehetra izay hitsahinareo, araka izay efa nolazainy taminareo. 26 Indro, apetrako eo anoloanareo anio ny fitahiana sy ny ozona: 27 ny fitahiana, raha mankatò ny didin'i Yaveh Andriamanitrareo izay handidiko anareo anio ianareo, 28 ary ny ozona, raha tsy mankatò ny didin'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, fa hivily amin'ny lalana izay handidiko anareo anio, ka hanaraka andriamani-kafa izay tsy mbola fantatrareo. 29 Izany dia hitranga, rehefa hitondra anareo any amin'ny tany izay halehanareo mba ho fananana i Yaveh Andriamanitrareo, dia hametraka ny fitahiana any an-tendrombohitra Gerizima ianareo, ary ny ozona any an-tendrombohitra Ebala. 30 Tsy any andafin'i Jordana ve ireo, andrefan'ny lalana andrefana, any amin'ny tanin'ny Kananita izay monina any Araba, tandrifin'i Gilgala, akaikin'ny hazo terebintan'i More? 31 Satria hiampita an'i Jordana ianareo hiditra haka ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo, ary ho fanananareo izany ka honina ao ianareo. 32 Ho tandremanareo ny didy aman-dalàna rehetra izay apetrako eo anoloanareo anio.
Mosesy manohy mireska amin'ireo vahoakan'Israely.
"hankatoa mandrakariva"
"izay tsy niaina"
Eto ny hoe "tanana mahery" sy "tanana mitsotra" dia sarinteny ho an'ny fahefan'i Yaveh. Misy teny mitovitovy hita ao amin'ny 4:34. DH: "na ny fahefany lehibe"
"tany Egypta"
Eto ny hoe "tany" dia maneho ny vahoaka. DH: "tamin'ny vahoakany rehetra"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita zokiny izay efa antitra tsara ka nahita izay nataon'Andriamanitra tany Egypta.
"na ireo zanakao nahita izay nataon'i Yaveh"
"ireo miaramila Egyptiana"
Eto ny hoe "anareo" dia midika hoe ireo Israelita izay velona tany amin'ny 40 taona lasa teo.
Ity dia midika hoe ilay tany hain'ny Lohasahan'ny Renirano Jordana izay iresahan'i Mosesy amin'izy ireo mialohan'ny hiampitan'izy ireo ho any Kanana.
Mosesy manohy mampatsiahy an'ireo lehibe mba hampianatra amin'ny zanany ireo asa lehiben'Andriamanitra.
Mosesy dia miresaka hetsika iray tany aloha rehefa nikomy nanohitra an'i Mosesy sy Arona i Datana sy Abirama. Ny hevitr'ity feno dia afaka atao mazava tsara.
"taranak'i Robena"
Yaveh manokatra ny tany mba hianjeran'ny olona dia resahina toy ny hoe nanana vava sy fahafahana hitelina olona ilay tany.
Ity dia maneho ireo mpanompo sy bibin'izy ireo.
Ity dia midika fa nanatri-maso izay nitranga tamin'i Datana, Abirama, ny fianakavian'izy ireo, sy ny fananan'izy ireo ny vaoakan'Israely rehetra.
Eto ny hoe "maso" dia maneho ilay olona iray manontolo. DH: "fa efa nahita ianareo"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Ny fehezanteny hoe "izay hitànareo" dia nampiasaina satria mila miampita ny Renirano Jordana ny vahoakan'Israely mba hiditra ao Kanana.
Ny hoe lava andro dia sarinteny ho an'ny hoe lava andro iainana. DH: "mba ho afaka hiaina fotoava lava." Adikao toy ny ao amin'ny 4:25 ireo teny ireo.
Fomba fiteny ity. DH: "tany izay feno ronono sy tantely mikoriana" na "tany izay tena tsara ho an'ny biby fiompy sy fambolena" Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 6:3.
Ireo mety ho heviny dia: 1) ny hoe "tongotra" dia sarinteny izay maneho ny asa mafy fandehanana an-tongotra maka rano eny an-tsaha na 2) mampiasa ny tongony izy ireo mba hanodinana kodiaran-drano izay namatsy ny rano ho eny an-tsaha.
"sahana legioma"
Ny tany mahazo sy mitroka ranon'orana dia resahina toy ny hoe misotro rano ilay tany. DH: "ny orana avy eny amin'ny lanitra dia manome rano betsaka izany"
Eto ny hoe "Yaveh" dia maneho fikarakarana. DH: "Yaveh Andriamanitrareo dia mijery izany mandrakariva"
Eto ny hoe "fiantombohana" sy "fiafarana" dia nampiasaina mba hilazana ilay taona iray manontolo. DH: "mandritry ny taona iray manontolo"
Izany dia midika fa ireo izay nampanantenain'i Yaveh dia hitranga raha mankato ireo didiny ny Israelita.
Mosesy eto no miteny.
Ny fomba fiteny hoe "amin'ny foao manontolo" dia midika hoe "tanteraka" ary ny hoe "amin'ny fanahinao manontolo" dia midika hoe "amin'ny maha-izy anao tanteraka." Manana dika mitovy ireo. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 4:29. DH: "amin'ny maha-izy anao tanteraka" na "amin'ny tanjakao rehetra"
"hahatonga izany hanorana amin'ny taninareo amin'ny vanim-potoany Aho"
Yaveh eto no miteny. DH: "mba hanomezan'i Yaveh" na "mba hanomezany"
Ity dia maneho ny orana amin'ny fiantombohan'ny vanin'andro famafazana sy ny orana mampatoy ny vokatra amin'ny fotoam-pijinjana. DH: "ny oram-pararano sy ny oran-dohataona" na "ny orana amin'ny vanim-potoany"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"mitandrema"
Eto ny hoe "fo" dia maneho ny faniriana na eritreritry ny olona iray. DH: "mba tsy hamitaka anareo ny fanirianareo" na "mba tsy hamitaka ny tenanareo ianareo"
Ny fandavana an'i Yaveh sy fanompoana andriamanitra hafa dia resahina toy ny hoe hivily ara-batana sy handeha any amin'ny lalana samihafa lavitra an'i Yaveh ilay olona. DH: "hanomboka hanompo andriamanitra hafa"
Andriamanitra manomboka tezitra dia resahina toy ny hoe afo manomboka mirehitra izany. DH: "mba tsy ho tezitra aminareo Yaveh"
Andriamanitra mahatonga ny orana tsy hilatsaka avy eny an-danitra dia resahina toy ny hoe manidy ilay lanitra Izy. DH: "mba tsy hampitsahatra ny orana hilatsaka avy eny an-danitra Izy ka tsy hampitombo ny vokatra eo amin'ilay tany"
Ny olona mieritreritra sy mihevitra ireo baikon'i Mosesy dia resahina tooy ny hoe fitehirizan-javatra ny fo ny fasnahy dia ny tenin'i Mosesy no hamenoana ilay fitehirizana. DH: "mitandrema tsara mba hahatsiaro ireo teny ilay lazaiko anareo"
Eto ny hoe "teny" dia maneho ireo didy izay tenenin'i Mosesy.
Eto ny hoe "fo" sy "fanahy" dia maneho ny saina na eritreritry ny olona iray.
"afatory ireo teny ireo." Ity dia sarinteny izay maneho olona iray manoratra ireo teny eo amin'ny hodi-biby, mametraka ilay hodi-biby ao anaty fitoeram-bola, ary mamatotra ilay fitoeram-bola. Ity sarinteny ity dia mety midika fa tsy maintsy mitandrina tsara hankato ireo didin'i Mosesy ny olona.
"ho zavatra hampatsiahy anareo ireo lalàko"
"aoka ny teniko ho firavaka eo anelanelan'ireo masonareo." Ity dia sarinteny izay maneho olona iray manoratra ireo tenin'i Mosesy eo amin'ny hodi-biby, mametraka ilay hodi-biby ao anaty fitoeram-bola, ary mamatotra ilay fitoeram-bola ka hipetraka eo anelanelan'ny masony izany. Ity sarinteny ity dia mety midika fa tsy maintsy mitandrina tsara hankato ireo didin'i Mosesy rehetra ny olona
firavaka izay anoavan'ny olona eo amin'ny handrina.
Ny fampiasana ireo toerana samihafa hoe "ao an-trano" sy "eny an-dalana," ary ny mifanohitra hoe "rehefa mandry" na "mifoha" dia maneho ny hoe na aiza na aiza, na oviana na oviana. Ny vahoakan'Israely dia tokony hiresaka ireo didin' Andriamanitra sy hampianatra ireo amin'ireo zanany na amin'ny fotoana inona na fotoana inona ary na aiza na aiza.
Mosesy manohy miresaka amin'ireo vahoakan'Israely.
Adikao toy ny nataonao tao amin'n 6:8 ireo teny ireo.
Eto ny hoe "andro" dia maneho fotoana maharitra. DH: "mba hampiainan'i Yaveh anareo sy ny zanakareo mandritry ny fotoana ela"
Ity dia maneho an'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba.
Ity dia mampitaha ny faharetan'ny fijanonan'ny vahoaka ao amin'ilay tany amin'ny faharetan'ny fisian'ny lanitra eo ambonin'ny tany. Ity dia fomba hilazana ny hoe "mandrakizay." DH: "omena azy ireo ho fananana mandrakizay" na "omena halalana azy ireo hiaina ao mandrakizay"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"Fa raha mitandrina ny hanao izay rehetra nandidiko anareo ianareo"
Ny fomba fiaina sy fitondratena tian'i Yaveh hananan'ny olona dia resahina toy ny hoe lalan'i Yaveh izy ireo. Ny olona mankatoa an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lalan'i Yaveh izy.
Ny fananana fifandraisana tsara amin'i Yaveh sy ny mifandray tanteraka Aminy dia resahina toy ny hoe mifikitra amin'i Yaveh ilay olona. DH: "hifandray Aminy" na "hanana fifandraisana tsara Aminy." Jereo ny fomba nandikana teny mitovy amin'izany ao amin'ny 10:20.
Eto ny hoe "firenena" dia maneho ireo vondron'olona izay efa mipetraka any Kanana. DH: "handroaka ireny olona rehetra ireny hiala eo anatrehanareo, ary haka ilay tany amin'ireo vondron'olona ianareo"
Na dia kely sy malemy kokoa noho ireo vondron'olona mipetraka any Kanana aza ny tafik'Israely, dia hanome fahafahana ny vahoakan'Israely mba handresy azy ireo Yaveh.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Eto ny hoe "faladian-tongotra" dia maneho ilay olona mihintsy. DH: "Ny toerana rehetra izay alehanareo"
"hatrany amin'ny Renirano Eofrata"
Ny hoe "hahajoro eo anoloanareo" dia fomba fiteny. DH: "tsy hisy afaka hanajanona anareo" na "tsy hisy afaka hanohitra anareo"
Yaveh mahatonga ny olona hatahotra dia resahina toy ny hoe zavatra izay ho apetrany eo amin'ny olona ny tahotra sy horohoro. DH: "Yaveh Andriamanitrareo dia hahatonga ny olona any amin'ny toerana rehetra halehanareo hatahotra mafy anareo"
Ny teny hoe "tahotra" sy "horohoro" dia manana dika mitovy ary manamafy ny tanjaky ny tahotra. DH: "tahotra mafy anareo"
Eto ny hoe "tany" dia sarinteny ho an'ny olona rehetra ao amin'ilay tany. DH: "amin'ny olona rehetra any amin'ny toerana rehetra alehanareo"
Eto Mosesy dia mamintina ireo safidy roa afaka safidian'ny vahoakan'Israely. Afaka misafidy ny hankato izy ireo dia mandray ny fitahian' Andriamanitra na misafidy ny tsy hankato dia mandray ny sazin'Andriamanitra.
"tandremo"
Ny famelana ny olona hisafidy raha tian'izy ireo hitahy azy ireo na hanozona azy ireo Andriamanitra dia resahina toy ny hoe zavatra izay apetrak'i Mosesy eo anoloan'izy ireo ny fitahiana na ozona.
DH: "hitahy anareo Andriamanitra"
DH: "hanozona anareo Andriamanitra"
Ny didin'i Yaveh izay lazain'i Mosesy ny olona dia resahina toy ny hoe lalan'Andriamanitra ireo. Ny tsy fankatoavana ny didin'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mivily ara-batana ho any amin'ny lalana hafa lavitra an'i Yaveh ny olona mba hanaraka andriamanitra hafa. DH: "fa mijanona tsy mankatoa izay andidiko anareo ankehitriny, ka hanompo andriamanitra hafa."
Ity dia maneho ireo andriamanitra hafa izay tompoin'ireo vondron'olona hafa. Mahafantatra an'i Yaveh ireo Israelita satria naneho ny tenany tamin'izy ireo Izy ary niaina ny heriny ny olona.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Ny fitahiana sy ozona dia resahina toy ny hoe zavatra izay hapetrakin'ny olona eo an-tendrombohitra ireo. DH: "ny sasany aminareo dia tokony mitsangana eny an-tampon'ny Tendrombohitra Gerizima ary manambara izay hahatonga an'i Yaveh hitahy anareo, ary ny hafa dia tokony mitsangana eny an-tampon'ny Tendrombohitra Ebala ary manambara izay hahatonga an'i Yaveh hanozona anareo"
Anarana tendrombohitra any amin'ny ilany andrefan'ny Renirano Jordana ireo.
Ireo Israelita dia any amin'ny ilany atsinanan'ny Renirano Jordana. Mampiasa fanontaniana Mosesy mba hampatsiahivana ny vahoaka ny toerana misy ireo tendrombohitra ireo. DH: "araky ny efa fantatrareo, dia any an-dafin'i Jordana ireo ... More."
"any amin'ny ilany andrefan'ny Renirano Jordana"
"any andrefana"
"akaikin'i Gilgala" Mety tsy ilay toerana misy ilay tanàna akaikin'i Jeriko ity. Mety toerana hafa akaikin'i Sekema no resahan'i Mosesy.
Hazo masina any akaikin'i Gilgala izany.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Ireo didy sy lalàna izay homen'i Mosesy ao amin'ny Deotoronomia 12-26 ireo.
Tsy midika akory ity hoe vaovao ireo. Mosesy dia mamerina mijery ireo didy sy lalàna izay nomeny 40 taona lasa.
Ireo didy sy lalàn'Andriamanitra, izay ambaran'i Mosesy amin'ny olona dia resahina toy ny hoe zavatra izay apetrak'i Mosesy eo anoloan'ny olona. DH: "izay omeko anareo"
1 Ireto no didy aman-dalàna izay ho tandremanao ao amin'ny tany izay nomen'i Yaveh, Andriamanitry ny razanao, ho fanananao, amin'ny andro rehetra hiainanao ety an-tany. 2 Ho ravainao tokoa ny toerana rehetra izay nanompoan'ireo firenena izay ho roahanao ireo andriamaniny, izay eny amin'ny tendrombohitra avo, eny amin'ny havoana, ary eny ambany hazo mavana, izay halainao. 3 Aoka hazeranao ny alitaran'izy ireo, ho torotoroinao ireo tsangam-batony, ary ho doranao ireo baon'Aserahany. 4 Aoka ho tapatapahanao ny sary sokitr'ireo andriamaniny ary haringanao hiala amin'izany toerana izany ny anaran'izy ireo. Aoka tsy hanompo an'i Yaveh Andriamanitrao tahaka izany ianao. 5 Fa ao amin'ny toerana izay ho fidian'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'ireo fokonao mba hametrahana ny Anarany, dia izany no ho toerana honenany, ary any no halehanao. 6 Any no hitondranao ny fanatitra doranao, ny soronao, ny ampahafolon-karenanao, ary ireo rakitra hatolotry ny tananao, ny raki-boadinao, ny fanati-tsitraponao, ary ny voalohan-teraky ny omby sy ny ondry aman'osinao. 7 Any no hihinanao eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao sy hiravoravoanao amin'ny zava-drehetra izay nametrahanao ny tananao, dia ianao sy ny ankohonanao, any amin'izay nitahian'i Yaveh Andriamanitrao anao. 8 Aoka tsy hanao ireo zavatra rehetra izay ataonay ankehitriny ianao; fa ankehitriny dia manao izay marina rehetra eo imasony ihany ny olon-drehetra; 9 satria tsy mbola tonga teo amin'ny fitsaharana, eo amin'ny lova izay omen'i Yaveh Andriamanitrao anao ianao. 10 Fa rehefa mita an'i Jordana ianao ka monina ao amin'ny tany izay hapandovain'i Yaveh anao, ary rehefa manome anao fitsaharana amin'ny fahavalonao rehetra manodidina Izy, mba hiainanao am-pilaminana, 11 dia ho amin'ny toerana izay ho fidian'i Yaveh Andriamanitrao mba hahavelona ny Anarany, any ianao no hitondra izay rehetra handidiako anao: dia ny fanatitra doranao, ny soronao, ny ampahafolon-karenanao, ary ny rakitra atolotry ny tananao, sy ireo raki-boady rehetra izay safidianao hivoadiana amin'i Yaveh. 12 Hiravoravo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ianao—ianao, ny zanaka lahinao, ny zanaka vavinao, ny mpanompo lahinao, ny mpanompo vavinao ary ireo Levita izay ao amin'ny vavahadinao, satria tsy manana anjara na lova eo aminao izy. 13 Tandremo tsara ny tenanao mba tsy hanolotra ny fanatitra doranao eny amin'ny toerana rehetra izay hitanao; 14 fa eo amin'ny toerana izay ho fidian'i Yaveh eo amin'ny iray amin'ny fokonao no hanoloranao ny fanatitra doranao, ary any no halehanao mba hanao izay rehetra handidiko anao. 15 Kanefa, afaka mamono na mihinana biby ao anatin'ny vavahadinao rehetra ianao, araka izay tianao, amin'ny fandraisana ny fitahian'i Yaveh Andriamanitrao noho izay rehetra nomeny anao; samy afaka mihinana amin'izany ny olona maloto sy ny olona madio, dia ny biby tahaka ny gazela sy ny diera. 16 Fa aoka tsy hihinana ny ràny ianao; ho ararakao amin'ny tany tahaka ny rano izany. 17 Tsy mahazo mihinana amin'ny ampahafolon'ny voanao, ny divay vaovaonao, ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny omby na ny ondry aman'osinao ao anatin'ny vavahadinao ianao; ary tsy mahazo mihinana amin'ny hena nataonao sorona miaraka amin'izay mety ho voady ataonao, na ireo fanati-tsitraponao, na ny fanatitra izay atolotry ny tananao ianao. 18 Fa kosa, hohaninao eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ao amin'ny toerana izay fidin'i Yaveh Andriamanitrao izany—ianao, ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompo lahinao, ny mpanompo vavinao, ary ny Levita izay ao amin'ny vavahadinao; hiravoravo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ny amin'ny zavatra rehetra izay nametrahanao ny tananao ianao. 19 Tandremo tsara ny tenanao mba tsy hahafoy ny Levita raha mbola miaina eo amin'ny taninao koa ianao. 20 Rehefa manitatra ny sisin-taninao Yaveh Andriamanitrao, araka izay nampanantenainy anao, ka niteny ianao hoe: 'Hihinana nofo aho,' nohon'ny fanirianao hihinan-kena, dia afaka mihinan-kena ianao, araka izay irian'ny fanahinao. 21 Raha lavitra anao loatra ny toerana izay nofidian'i Yaveh Andriamanitrao hametrahana ny anarany, dia aoka ianao hamono ny sasany amin'ny omby sy ny ondry aman'osinao izay nomen'i Yaveh anao, araka izay nandidiako anao; afaka mihinana ao amin'ny vavahadianao ianao, araka izay irian'ny fanahinao. 22 Tahaka ny hihinanana ny gazela sy ny diera, dia toy izany no hihinananao amin'izany; afaka mihinan-kena amin'izany tahaka izany ny olona maloto sy madio. 23 Tandremo fotsiny mba tsy hihinana ny rà ianao, fa aina ny rà; ary aoka tsy hihinana ny aina miaraka amin'ny hena ianao. 24 Tsy hihinana an'izany ianao; ararakao eo amin'ny tany tahaka ny rano izany. 25 Tsy hihinana izany ianao, mba ho lavorary ny aminao, sy ny taranaka mandimby anao, rehefa manao izay marina eo imason'i Yaveh ianao. 26 Fa ireo zavatra izay an'i Yaveh izay hanananao sy ireo raki-boadinao—aoka ianao haka izany ka handeha any amin'ny toerana izay safidian'i Yaveh. 27 Any no hanoloranao ny fanatitra doranao, dia ny hena sy ny rà, eo amin'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrao; hararaka eo amin'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrao ny ràn'ny soronao, ary hohaninao ny nofon'izany. 28 Tandremo ary henoy ny teny rehetra izay handidiko anao, mba ho lavorary ny aminao sy ny taranaka mandimby anao mandrakizay, rehefa manao izay tsara sy marina eo imason'i Yaveh Andriamanitrao ianao. 29 Rehefa mandringana ireo firenena tsy ho eo anoloanao Yaveh Andriamanitrao, rehefa mandeha mba haka izany amin'izy ireo ianao, ka azonao izany, ary monina ao amin'ny tanin'izy ireo ianao, 30 dia tandremo ny tenanao mba tsy ho voafandrika hanaraka azy ireo, rehefa voaringana hiala eo anatrehanao izy ireo—ho voafandrika hizaha ny andriamanitr'izy ireo, hanontany hoe: 'Ahoana no fanompoan'ireo firenena ireo ny andriamaniny? Mba hanao tahaka izany koa aho.' 31 Aoka ianao tsy hanompo an'i Yaveh Andriamanitrao toy izany, fa fahavetavetana eo amin'i Yaveh izany, dia zavatra halany—nanao izany tamin'ireo andriamaniny izy ireo; ary nandoro ny zanak'izy ireo lahy sy vavy tamin'ny afo ho an'ny andriamanitr'izy ireo mihitsy aza. 32 Na inona na inona handidiko anao, dia tandremo izany. Aza manampy na manaisotra amin'izany.
Mosesy dia mbola miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"tsy maintsy ankatoavinao"
Eto ny hoe "andro" dia maneho fotoana lava. Ary ny hoe "hiainana ety an-tany" ihany koa dia fomba fiteny izay midika hoe farak'izay ela hiainan'ny olona iray." DH: "farafahaela hiainanao"
"tsy maintsy ravainao"
Eto ny hoe "firenena" dia maneho ireo vondron'olona izay mipetraka any Kanana. DH: "ireo vondron'olona izay ho alainao ny taniny"
Mosesy dia mbola miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"tsy maintsy esorinareo ny alitaran'ireo firenena ireo" na "tsy maintsy ravainao ny alitaran'ireo firenena ireo"
Eto ny hoe "anarana" dia maneho ny "fahatsiarovana azy ireo." DH: "handringana azy ireo tanteraka ka tsy hisy hahatsiaro azy ireoa" na "handringana ny zavatra rehetra izay maneho ireo andriamanitra sandoka ireo"
Ity dia maneho ny toerana tsirairay izay nanompoan'ireo firenena ny andriamanitr'izy ireo.
"tsy tokony hanompo an'i Yaveh Andriamanitrao tahaka ny hanompoan'ireo firenena ireo ny andriamaniny ianao"
Eto ny hoe "ny Anarany" dia maneho an'Andriamanitra mihitsy. Yaveh dia hisafidy toerana iray izay hipetrahany ary ho tonga hanompo Azy any ny olona.
Handeha hanompo any amin'izay tenenin' Andriamanitra izy ireo.
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "ireo rakitra izay hatolotrao"
"ireo fanatitrao izay hanatanterahana voady, ireo fanatitrao maimaimpoana." Karazana fanatitra ireo.
Andriamanitra dia mitaky ny olona mba hanolotra Aminy ny voalohan-teraka lahy amin' ny biby fiompiny.
Ity dia maneho ny toerana izay ho safidian'i Yaveh ho an'ireo zanak'Israely mba hanompoana.
Eto ny hoe "nametrahanao ny tananao" dia maneho ilay olona mihitsy sy ny asa izay nataony. DH: "hiravoravoanao amin'ny asa rehetra izay vitanao"
"Tsy hanao tahaka izay ataonay ankehitriny ianao." Izany dia midika fa hanompo any amin'ilay tany nampanantenaina izy ireo fa tsy tahaka ny fomba nanompoan'izy ireo tamin'izany fotoana izany.
Eto ny hoe "maso" dia maneho ny eritreritra na hevitry ny olona iray. DH: "ny olona rehetra dia manao izay heveriny ho marina"
DH: "any amin'ilay tany izay hitsaharanao"
Ny tany izay omen'Andriamanitra an'ireo vahoakan'Israely dia resahina toy ny hoe fananana izay avelan'ny ray ho lova ho an'ny zanany. DH: "any amin'ilay tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao ho anao mba ho fananana maharitra"
Ity dia maneho ilay tanin'i Kanana.
Andriamanitra manome ilay tanin'i Kanana amin'ireo vahoakan'Israely dia resahina toy ny hoe ray izay manome lova ny zanany Izy.
"rehefa manome fiadanana anao amin'ireo fahavalonao rehetra manodidina anao Izy"
Eto ny hoe "anarana" dia maneho an'Andriamanitra mihitsy. DH: "dia ho amin'ny toerana izay onen'i Yaveh Andriamanitrao"
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "ny rakitra izay atolotrao"
"ireo fanatitrao maimaimpoana rehetra mba hanatanterahana voady"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"hiravoravo eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
Eto ny hoe "vavahady" dia entina hanehoana ilay tanàna mihitsy. DH: "ireo Levita izay mipetraka ao amin'ny tanànanao" na "ireo Levita miara-miaina aminao"
Yaveh tsy hanome tany ho an'ireo Levita dia resahina toy ny hoe ray tsy nanome lova azy ireo.
Eto ny hoe "izy" dia maneho an'i Levy. Levy dia maneho ny taranany iray manontolo. DH: "tsy manana anjara izy ireo."
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"mitandrema tsara"
"ny toerana rehetra izay mahafinaritra anao" na "na aiza na aiza tianao"
Ireo fanatitra dorana dia tokony atao any amin'ny tabernakely. Yaveh mihitsy no hisafidy izay hametrahana ilay tabernakely.
Any amin'ny toerana izay safidian'i Yaveh ihany ny olona no afaka mamono biby ho sorona. Afaka mamono biby atao sakafo any amin'izay rehetra tiany izy ireo. Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fanambarana ity.
Eto ny hoe "vavahady" dia maneho ilay tanàna iray manontolo. DH: "ao anatin'ny tanànanao" na "ao an-tranonao"
Ny olona izay tsy ekena ho amin'ny tanjon' Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana ilay olona.
Ny olona izay ekena ho amin'ny tanjon' Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio ara-batana ilay olona.
Ireo dia bibi-dia izay manana tongotra mahia lava be izay afaka mihazakazaka mafy. DH: "ny antilopa sy dera"
Ny rà dia maneho ny fiainana ary Andriamanitra dia tsy namela ny olona hihinana ny rà miaraka amin'ny hena. Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity.
Mosesy mamaritra amin'ny vahoakan'Israely ireo fanatitra sy sorona miavaka rehetra izay hatao any amin'ny tabernakely.
Eto ny hoe "vavahady" dia maneho ilay tanàna iray manontolo. DH: "ao anatin'ny tanànanao" na "ao an-tranonao"
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "na ny fanatitra izay entinao any amin'i Yaveh"
Yaveh manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"hohaninao ireo fanatitrao"
"eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
Eto ny hoe "vavahady" dia manambara ilay tanàna iray manontolo. DH: "ny Levita izay mipetraka ao amin'ny tanànanao"
Eto ny hoe "nametrahanao ny tananao" dia manambara ilay olona mihitsy sy ny asa izay nataony. DH: "miravoravo amin'ny asa rehetra vitanao"
"mitandrema"
DH: "mba hikarakara tsara"
"manitatra ny faritrao" na "manome anao tany maro kokoa"
DH: "ary manapa-kevitra ianao fa maniry ny hihinan-kena"
Eto ny hoe "fanahy" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "araka izay tianao" na "araka izay tadiavinao"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Eto ny hoe "anarana" dia maneho an'Andriamanitra mihitsy. Yaveh dia hisafidy toerana izay honenany ary ho tonga hanompo Azy ny olona. DH: "nofidiany honenana"
Eto ny hoe "vavahady" dia maneho ilay tanàna iray manontolo. DH: "ao amin'ny tanànanao" na "ao amin'ny fiaraha-moninao."
Eto ny hoe "fanahy" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "araka izay irianao"
DH: "tahaka ny hihinananao ny gazela sy ny diera"
Ireo dia bibidia manana tongotra mahia lava be izay afaka mihazakazaka mafy. Jereo ny fomba nandikanao ireo tao amin'ny 12:15.
Ny olona izay tsy ekena ho amin'ny tanjon' Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana ilay olona.
Ny olona izay ekena ho amin'ny tanjon' Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio ara-batana ilay olona.
Eto ny fomba hihazonan'ny rà ny aina dia resahina toy ny hoe ilay rà mihitsy no aina. DH: "fa mihazona ny aina ny rà" na "fa mamelona ny biby sy ny olona ny rà"
Ny teny hoe "aina" dia manambara ny rà izay mihazona ny aina. DH: "aoka ianao tsy hihinana izay mihazona ny aina miraka amin'ny hena" na "aoka ianao tsy hihinana ny rà, izay mihazona ny aina, miaraka amin'ny hena"
Eto ny hoe "maso" dia manambara ny eritreritra na hevitra. DH: "izay marina araka an'i Yaveh" na "izay lazain'i Yaveh fa marina"
"ireo fanatitra izay hanatanterahana voady" na "ireo fanati-boady"
DH: "ny mpisorona dia handraraka ny ràn'ny sorona"
Ireo lalàn'Andriamanitra dia mamaritra hoe iza amin'ny faritr'ilay biby no ho an'ny fanatitra dorana, faritra aiza no ho an'ny mpisorona ary faritra aiza no ho an'ilay mpanolotra mba hohanina. DH: "hihinana ny sasany amin'ilay hena ianao"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Eto ny hoe "teny" dia manambara izay lazain'i Mosesy. DH: "Henoy tsara ary ankatoavy ny zavatra rehetra izay handidiko anao"
Eto ny hoe "taranaka mandimby" dia midika hoe ireo taranany rehetra. DH: "mba hambinina ianao sy ny taranakao"
Ny teny hoe "tsara" sy "marina" dia manana dika mitovy ary manamafy ny lanjan'ny fitondra-tena mendrika. DH: "rehefa manao izay marina ianao"
Eto ny hoe "maso" dia maneho ny eritreritra na hevitra. DH: "araka an'i Yaveh"
Yaveh mamotika ireo vondron'olona ao Kanana dia resahina toy ny hoe mandringana azy ireo Izy, tahaka ny iray izay hanapaka tapa-damba na rantsana eny amin'ny hazo.
Eto ny hoe "firenena" dia maneho ireo olona izay mipetraka any Kanana.
"rehefa maka ny zavatra rehetra amin'izy ireo ianao"
"mitandrema"
Ny olona manompo sy mianatra momban'ny andriamanitra hafa dia resahina toy ny hoe tratra ao anaty fandrika izy ireo. DH: "mba tsy hanao tahaka azy ireo ianao ... hiezaka ny hahafantatra momban'ny andriamanitr'izy ireo, manontany hoe"
Ireo Israelita manompo sampy tahaka ny hanompoan'ireo vondrona Kanana sampy dia resahina toy ny hoe manaraka ao aorian'ny vondron'olona ireo Israelita.
DH: "manontany momban'ny fomba hanompoan'ireo vondron'olona ireo ny andriamanitr'izy ireo ka hanao tahaka izany koa ianao"
Tsy mila mamorona lalàna bebe kokoa izy ireo na tsy miraharaha ireo lalàna izay nomen' Andriamanitra azy ireo.
1 Raha misy mpaminany na mpanonofy miseho eo aminareo, ka manao famantarana na fahagagana, 2 ary raha mitranga ilay famantarana na ilay fahagagana, izay resahany aminareo ka manao hoe: 'Andeha isika hanaraka andriamanitra hafa, izay tsy mbola fantatrareo, ary andeha tompointsika izy ireo,' 3 dia aza mihaino ny tenin'izany mpaminany izany, na izany mpanonofy izany; satria Yaveh Andriamanitrareo dia mitsapa anareo raha tia an'i Yaveh Andriamanitrareo amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ianareo. 4 Hanara-dia an'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, hanome voninahitra Azy, hitandrina ireo didiny, sy hankato ny teniny, ary hidera Azy sy hifikitra aminy. 5 Ho vonoina izany mpaminany na mpanonofy izany, satria izy dia nanohitra an'i Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta, sy nanafaka anareo tany amin'ny tany fanandevozana. Mitady hitaona anareo ivelan'ny lalana izay nandidin'i Yaveh Andriamanitrareo mba handehananareo izany mpaminany izany. Koa esory tsy ho eo aminareo ny ratsy. 6 Raiso hoe ny rahalahinareo, ny zanaky ny reninareo, na ny zanakareo lahy, na ny zanakareo vavy, na ny vady famihinareo, na ny namanareo izay tianareo tahaka ny tenanareo, no hitaona mangina anareo ary hiteny hoe: 'Aoka isika andeha ary hanompo ireo andriamanitra hafa izay tsy mbola fantatrareo, na ianareo na ireo razambenareo— 7 dia ireo andriamanitr'ireo olona izay manodidina anareo, akaikinareo, na lavitra anareo, avy amin'izao tontolo rehetra izao.' 8 Aza manaiky na mihaino azy. Tsy tokony hanana famindram-po aminy ihany koa ny masonareo, na hiantra azy na hanafina azy. 9 Fa kosa, tokony ho vonoinareo tokoa izy; ny tananareo no ho voalohany hamono azy, ary avy eo ny tanan'ny vahoaka rehetra. 10 Hitora-bato hahafaty azy ianareo, satria izy niezaka hitaona anareo hanalavitra an'i Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo hiala tao amin'ny tany Egypta, hiala tao amin'ilay tany fanandevozana. 11 Handre sy hatahotra ny Israely rehetra, ka tsy hanohy hanao izany karazana faharatsiana izany eo aminareo intsony. 12 Raha mandre olona miteny momba ny iray amin'ireo tanànanareo, izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo mba hipetrahana ianareo: 13 fa nisy mpiara-belona ratsy fanahy sasany niala teo aminareo ary nitarika ireo mponina teo amin'ny tanànan'izy ireo hoe: 'Andeha isika hanompo andriamanitra hafa izay tsy mbola fantatrareo.' 14 Dia handinika ny porofo, hanao fikarohana, ary hanadihady lalina izany ianareo.' Rehefa hitanareo fa marina izany ary azo antoka fa natao teo aminareo ny zavatra fahavetavetana tahaka izany, dia hihetsika ianareo. 15 Azo antoka fa hanafika ireo mponina ao amin'izany tanàna izany amin'ny lelan-tsabatra ianareo, hamotika tanteraka izany sy ny olona rehetra ao aminy, miaraka amin'ireo biby fiompy, amin'ny alalan'ny lelan-tsabatra. 16 Hanangona ireo entana rehetra voababo amin'izany ho eo afovoan'ny lalana ianareo ary handoro ilay tanàna, sy ireo entana voababo rehetra—ho an'i Yaveh Andriamanitrareo. Ho tanàna haolo mandrakizay ilay tanàna, ka tsy ho hatsangana intsony izany. 17 Tsy tokony hisy hiraikitra eo am-pelatananareo ireo zavatra izay natokana ho ravaina. Izany no tsy maintsy atao, mba hitsahatra amin'ny fahatezerany i Yaveh, hampiseho famindram-po aminareo, sy hiantra anareo, ary hampitombo isa anareo, araka ny nianianany tamin'ireo razambenareo. 18 Hanao izany Izy satria ianareo mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo, mba hitandremana ireo didiny rehetra izay handidiko anareo anio, sy mba hanaovana izay marina eo imason'i Yaveh Andriamanitrareo.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"Raha misy eo aminareo milaza ny tenany ho"
Ity dia olona izay mandray hafatra avy amin' Andriamanitra amin'ny alalan'ny nofy.
Ireo teny roa ireo dia manana dika mitovy ary maneho fahagagana samihafa.
"miseho"
DH: "ary niteny anareo izy mba hanompo sy hidera andriamanitra hafa izay tsy mbola fantatrareo"
Ny fiderana andriamanitra hafa dia resahina toy ny hoe mandeha ao aoriana na manaraka andriamanitra hafa izy ireo.
Ny fehezanteny hoe "andriamanitra, izay tsy mbola fantatrareo" dia maneho ireo andriamanitra hafa izay derain'ireo vondron'olona hafa. Ireo Israelita dia mahafantatra an'i Yaveh satria efa nampiseho ny tenany tamin'izy ireo Izy ary nahita ny heriny izy ireo.
Eto ny hoe "teny" dia maneho izay voalaza. DH: "aza mihaino izay lazain'ny mpaminany na izay lazain'ny mpanonofy"
Ny fomba fiteny hoe "amin'ny fonareo manontolo" dia midika hoe "tanteraka" ary ny hoe "amin'ny fanahy manontolo" dia midika hoe "amin'ny maha-izy anao rehetra." Ireo fehezanteny roa ireo dia manana dika mitovy. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 4:29. DH: "amin'ny maha-izy anao rehetra" na " amin'ny tanjakao rehetra"
Ny fankatoavana sy fiderana an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mandeha ao aoriana na manaraka an'i Yaveh ny olona. DH: "hankatoa an'i Yaveh ianareo"
Eto ny hoe "teny" dia maneho izay lazain'i Yaveh. DH: "hankato izay lazainy"
Ny fananana fifandraisana tsara amin'i Yaveh sy ny miankina tanteraka Aminy dia resahina toy ny hoe mifikitra amin'i Yaveh ilay olona. DH: "hiankina Aminy"
DH: "tsy maintsy vonoinareo"
DH: "nanao anareo ho mpanohitra izy"
Yaveh mamonjy ny olona amin'ny fanandevozana any Egypta dia resahina toy ny hoe nandoa vola mba hanafahana ny vahoakany amin'ny fanandevozana Yaveh. DH: "izay nanavotra anareo tany amin'ny toerana nanandevozana anareo"
Eto ny hoe "tany fanandevozana" dia maneho an'i Egypta izay nanandevozana an'ireo vahoakan'i Yaveh. DH: "any Egypta izay nanandevozana anareo"
Ny fomba fiaina sy fitondrantena tian'Andriamanitra hananan'ny olona dia resahina toy ny hoe lalana izay tian'Andriamanitra andehanan'ny olony izany. Ny olona miezaka manajanona olona iray hafa tsy hankato an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe miezaka manajanona ilay olona hafa tsy handeha amin'ny lalan'Andriamanitra ilay olona. DH: "mitaona anareo tsy hankato izay nandidin'i Yaveh Andriamanitrareo"
Eto ny hoe "ratsy" dia maneho ny olona ratsy fanahy na ny fitondratena ratsy. DH: "Koa tsy maintsy esoriareo eo amin'ny vahoakan'Israely ny olona izay manao zavatra ratsy" na "Koa tsy maintsy vonoinareo izany olona ratsy fanahy izany"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Fomba fiteny ity izay hoe mamihina azy eo an-tratrany izy, izay midika fa tia azy izy ary sarobidy aminy izy. DH: "ny vady tianao" na "ny vady izay tena ekenao"
Eto ny hoe "tena" dia maneho ny fiainan'ilay olona. Izany dia midika fa mikarakara ny namany tahaka ny hikarakarany ny fiainany ilay olona. DH: "ny namanao tena tianao" na "namanao izay tianao fatratra tahaka ny hitiavanao ny tenanao"
DH: "handresy lahatra anareo mangina mba handeha sy hanompo ... avy any amin'ny fara-vazan-tany."
Eto izany dia midika hoe na aiza na aiza eto ambonin'ny tany. DH: "manerana an'izao tontolo rehetra izao"
"Aza manaiky izay tiany"
Eto ny hoe "masonareo" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "Tsy tokony hijery azy amim-pamindram-po ianareo" na "tsy tokony haneho famindram-po aminy ianareo"
"na hampiseho famindram-po aminy na hanafina amin'ny hafa ny amin'izay nataony"
Ity dia midika fa mila manipy ny vato voalohany any amin'ilay olona meloka izy. Ny teny hoe "tanana" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "ianareo no tsy maintsy mamely azy voalohany mba hamono azy"
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "hanatona anareo ny olona hafa"
"hampivily anareo lavitra an'i Yaveh." Ny olona miezaka manajanona olona iray hafa amin'ny fankatoavana an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe miezaka mampivily olona ara-batana sy handao an'i Yaveh ilay olona. DH: "izy niezaka nanao anao tsy hankato an'i Yaveh"
Eto ny hoe "tany fanandevozana" dia maneho an'i Egypta izay nandevozana ny vahoakan'Israely. DH: "hiala tao amin'ilay toerana izay nanandevozana anareo"
Izany dia midika fa rehefa mandre momban'ilay olona izay novonoina ny vahoala, dia hatahotra ny hanao tahaka ny nataony izy ireo.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Ny hoe "teo aminareo" dia midika fa ireo olona ratsy fanahy ireo dia Israelita izay nonina tao amin'ny fiarahamonin'izy ireo.
DH: "nanadresy lahatra an'ireo izay nonina tao amin'ny tanànan'izy ireo mba handeha sy hanompo andriamanitra hafa izay tsy fantatr'izy ireo"
Ny olona miezaka manajanona olona iray hafa amin'ny fankatoavana an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe miezaka mampivily olona ara-batana sy handao an'i Yaveh ilay olona
Ireo fehezanteny rehetra ireo dia manana dika mitovy. Mosesy dia manamafy fa tsy maintsy mikaroka tsara izay tena nitranga marina tao amin'ilay tanàna izy ireo.
DH: "fa nanao zavatra mahatsiravina tahaka izany ny olona teo amin'ilay tanàna"
Eto ny hoe "lela" dia maneho ilay sabatra iray manontolo. DH: "amin'ny sabatrao"
"ireo babo rehetra." Ity dia maneho ireo fananana sy harena izay hangonin'ny tafika rehefa maharesy ady iray."
"antontan-korontana"
DH: "tsy hisy olona hanangana indray ilay tanàna intsony."
Yaveh manozona zavatra sy mampanantena handrava izany dia resahina toy ny hoe manokana ilay zavatra amin'ireo zavatra hafa Yaveh. DH: "tsy tokony hihazona ireo zavatra izay nandidin'i Yaveh anareo mba ho ravaina ianareo"
Fomba hilazana olona iray mihazona zavatra ity. DH: "tsy tokony hihazona"
Yaveh tsy tezitra intsony dia resahina toy ny hoe zavatra ny hatezerany ary miala ara-batana amin'izany Yaveh. DH: "tsy ho tezitra intsony Yaveh"
Eto ny hoe "feo" dia maneho izay lazain'i Yaveh. DH: "satria mankato izay lazain'i Yaveh ianareo."
Eto ny hoe "maso" dia maneho ireo eritreritra na hevitra. DH: "izay marina araka an'i Yaveh Andriamanitrareo" na "izay heverin'i Yaveh Andriamanitrareo ho marina"
1 Ianareo no vahoakan'i Yaveh Andriamanitrareo. Aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny faritry ny tarehinareo ho an'ny maty. 2 Fa ianareo dia firenena izay voatokana ho an'i Yaveh Andriamanitrareo, ary Yaveh nifidy anareo ho vahoaka ho fananany manokana, mihoatra ireo vahoaka rehetra izay eo ambonin'ny tany. 3 Aza mihinana zavatra vetaveta na inona na inona. 4 Ireto no biby azonareo hohanina: ny omby, ny ondry, ary ny osy, 5 ny serfa, ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny pygarga, sy ny antilopa, ary ny ropikapra. 6 Azonareo hohanina ny biby rehetra izay mivaky kitro, izany dia, izay manana kitro mizara roa, ary izay mandinika. 7 Na dia izany aza, aza mihinana ireo biby sasany izay mandinika na izay manana kitro mizara roa ianareo: ny rameva, ny bitro, ary ny hyraka; satria mandinika ireo nefa tsy mivaky kitro, maloto aminareo ireo. 8 Ny kisoa koa dia maloto aminareo satria mivaky kitro izy nefa tsy mandinika; maloto aminareo izy. Aza mihinana hena-kisoa, ary aza mikasika ny fatin'ireo. 9 Amin'ireo zavatra izay ao anaty rano dia azonareo hohanina: izay rehetra misy vombony sy kirany; 10 nefa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany dia aza hohaninareo; maloto aminareo ireo. 11 Ireo vorona madio rehetra dia azonareo hohanina. 12 Nefa ireto no biby tsy azonareo hohanina: ny voromahery, ny voltora, ny gypa, 13 ny papango mena sy ny papango mainty, izay karazana voromahery rehetra. 14 Aza mihinana ny karazana goaika rehetra, 15 sy ny ostritsa, sy ny tararaka, ny vorondriaka, izay karazana tararaka rehetra, 16 ny voron-dolo kely, ny voron-dolo lehibe, ny voron-dolo fotsy, 17 ny sama, ny voltora madinika, ny vano. 18 Aza mihinana ny vanobe, sy ny karazana vano rehetra, ny takidara, ary ny ramanavy. 19 Ny zavatra manan'elatra, sy mandady rehetra dia maloto aminareo; tsy tokony hohanina ireo. 20 Azonareo hanina ireo zavatra manidina madio rehetra. 21 Aza mihinana zavatra izay maty ho azy; azonareo homena ny vahiny izay ao amin'ny tanànanao; mba hahafahany mihinana izany; na azonareo amidy amin'ny vahiny izany. Fa ianareo dia firenena izay voatokana ho an'i Yaveh Andriamanitrareo. Aza mampangotraka zanak'osy amin'ny rononon-dreniny. 22 Aloavy ny ampahafolon'ny vokatry ny voanao rehetra, izay mivoaka avy ao amin'ny saha isan-taona isan-taona. 23 Misakafoana eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrareo, ao amin'ny toerana izay hofidiany ho fitoerany masina, ny ampahafolon'ny varinao, ny divainao vaovao, sy ny menakao, ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao; mba hahafahanao mianatra hanompo lalandava an'i Yaveh Andriamanitrao. 24 Raha lava loatra aminareo ny dia ary tsy zakanareo izany, satria lavitra loatra anao ny toerana izay hofidian'i Yaveh Andriamanitrao ho fitoerany masina, dia, rehefa mitahy anao Yaveh Andriamanitra, 25 hanova ny fanatitra ho vola ianao, hamatotra ny vola eny an-tananao, ary handeha any amin'ny toerana izay hofidian'i Yaveh Andriamanitrao. 26 Ao no handanianao ny vola amin'izay rehetra irinao: amin'ny omby, na amin'ny ondry, na amin'ny divay, na amin'ny zava-pisotro mahery, na amin'izay rehetra irinao; dia any ianao no hihinana eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao, ary hifaly ianao, ianao sy ny ankohonanao. 27 Ny Levita izay ao anatin'ireo vavahadinao—aza mahafoy azy, fa tsy manana anjara na lova aminao izy. 28 Amin'ny faran'ny isan-telo taona dia hanolotra ny ampahafolon'ny vokatrao rehetra amin'izany taona izany ianao, ary hitahiry izany ao anatin'ny vavahadinao ianao; 29 ary ny Levita, satria izy tsy manana anjara na lova aminao, sy ny vahiny, sy ny kamboty, ary ny mpitondratena izay ao anatin'ny vavahadinao, dia ho avy sy hihinana ary ho afa-po. Ataovy izany mba hahafahan'i Yaveh Andriamanitrao mitahy anao amin'ny asan'ny tananao rehetra izay ataonao.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Ny vahoakan'Israely no resahina eto. Mosesy dia tafiditra ho isan'ny vahoaka. DH: "isika no vahoakan'i ... firenena isika ... nifidy antsika"
Ireo dia fomba nampisehoan'ny vondron'olona monina any Kanana fa malahelo olona izay efa maty izy ireo. Mosesy dia milaza ny vahoakan'israely mba tsy hanao tahaka azy ireo. Afaka atao mazava tsara ny dikan'ity fanambarana ity.
Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 7:6 ity.
Yaveh mifidy ny vahoakan'Israely mba ho Azy amin'ny fomba miavaka dia resahina toy ny hoe manokana azy ireo amin'ireo firenena hafa rehetra Yaveh. DH: "Yaveh Andriamanitrareo dia nanokana anareo tamin'ireo firenena hafa rehetra"
Manana hevitra mitovy amin'ilay fiantombohan'ny fehezanteny ity. Samy midika ireo fa an'i Yaveh amin'ny fomba miavaka ireo vahoakan'Israely.
"vahoaka ho fananany sarobidy" na "vahoakany"
"tamin'ny vondron'olona rehetra eto ambonin'ny tany"
Ny vahoakan'Israely dia tsy tokony hihinana izay zavatra nolazain'Andriamanitra fa tsy mendrika hohanina.
Karazana serfa avokoa ireo. Raha toa ny fiteninao ka tsy manana teny ho an'ireo biby tsirairay ireo dia afaka adika hoe "ireo karazana serfa rehetra" izany.
Ity dia bibidia manana tongotra mahia izay afaka mihazakazaka mafy. Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 12:15.
karazana serfa
Karazana antilopa ireo. Raha toa ny fiteninao tsy manana teny ho an'ireo biby tsirairay ireo dia afaka adika hoe "ireo karazana antilopa rehetra" izany.
karazana antilopa
"izany manana kitro misaraka" Ity dia kitro izay mizara ho roa raha tokony hitambatra ho iray ihany.
Izany dia midika hoe mitondra ny sakafony ho ao an-kibony ilay biby ary mitsako izany indray.
Ity dia biby kely manana sofina lava izay matetika monina any anaty lavaka ao amin'ny tany.
Ity dia biby kely izay monina any amin'ny toerana feno vatovato.
Ny zavatra lazain'i Yaveh ho tsy mendrika hohanin'ny vahoakany dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana izany.
Ny zavatra lazain'i Yaveh ho tsy mendrika hohanin'ny vahoakany dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana izany.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"afaka hohaninareo ireo karazam-biby izay miaina any anaty rano"
Ny faritra manify, fisaka izay ampiasain'ny trondro hihetsehana any anaty rano.
ireo mandrakotra ny vatan'ny trondro.
Ny zavatra lazain'i Yaveh ho tsy mendrika hohanin'ny vahoakany dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana izany.
Ny biby lazain'i Yaveh ho tsy mendrika hohanin'ny vahoakany dia resahina toy ny hoe madio ara-batana ilay biby.
Ireo dia vorona izay mifoha amin'ny alina na mihinana ireo biby kely sy biby efa maty.
Ireo dia karazana vorona izay mifoha amin'ny alina na mihinana biby kely sy biby efa maty.
Ireo dia karazam-borona izay mihinana biby kely sy androngo.
biby misy elatra sy vatana voloina izay mivoaka amin'ny alina ary mihinana bibikely sy biby mikoro.
Izany dia midika hoe ny bibikely manidina rehetra izay miaraka be dia be.
Ireo biby izay lazain'Andriamanitra ho tsy mendrika hohanin'ny vahoakany dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana ireo biby.
DH: "tsy tokony hihinana ireny ianareo"
Ireo biby izay lazain'Andriamanitra ho mendrika hohanin'ny vahoakany dia resahina toy ny hoe madio ara-batana ireo biby.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Ity dia midika hoe biby izay maty amin'ny fahafatesana voajanahary.
Yaveh misafidy ny vahoakan'Israely mba ho Azy amin'ny fomba miavaka dia resahina toy ny hoe atokan'i Yaveh amin'ireo firenena hafa rehetra izy ireo. DH: "Fa Yaveh Andriamanitrareo dia nanokana anareo tamin'ireo firenena hafa rehetra"
Izany dia midika hoe mila manome ampahany iray avy amin'ireo ampahany folo mitovy avy amin'ireo vokany izy ireo.
"amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
Eto ny hoe "izany" dia maneho ilay ampahafolon'ny vokatra sy biby fiompy.
"hamidinao ho vola ny fanatitrao"
"hametraka ny vola ao anaty kitapo ary hitondra izany miaraka aminao"
"amin'izay rehetra tianao"
"amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
Eto ny hoe "vavahady" dia maneho ilay tanàna iray manontolo. DH: "Ny Levita rehetra izay monina ao amin'ireo tanànanao"
DH: "manomeza sasany amin'ny ampahafolonao ho an'ireo Levita"
Ny fokon'i Levy dia tsy nahazo ampahan-tany ho lovan'izy ireo. Ny voninahitra amin'ny fanompoana an'i Yaveh tahaka ny mpisorony no zara-lovan'izy ireo. Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fanambarana ity.
Andriamanitra tsy manome tany ho an'ireo Levita dia resahina toy ny hoe tsy nanome lova azy ireo Izy.
Indray isan-telo taona ireo Israelita dia mila mitahiry nny ampahafolon'izy ireo ao amin'ny tanànan'izy ireo mba ho ampiasaina hamatsiana ireo Levita, ireo kamboty, mananotena sy vahiny izany.
Eto ny hoe "vavahady" dia maneho ilay tanàna iray manontolo mihitsy. DH: "ao amin'ny tanànanao"
Andriamanitra tsy manome tany an'ireo Levita dia resahina toy ny hoe tsy manome lova azy ireo Izy.
Ireo dia ankizy izay samy efa maty ny ray aman-dreniny ary tsy manana havana hikarakara azy ireo.
Ity dia vehivavy izay maty vady ary tsy manana zanaka hikarakara azy amin'ny fahanterany.
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "amin'ny asa rehetra ataonao"
1 Amin'ny faran'ny isam-pito taona, dia manaova fanafoanana trosa ianao. 2 Izany no fomban'ny fanafahana: Ny mpampindram-bola rehetra izay nampindrana dia tokony hamoy izay nampindraminy amin'ny mpiara-belona aminy; tsy hangataka izany amin'ireo mpiara-belona aminy izy na ny rahalahiny satria ny fanafoanan'I Yaveh ny trosa dia efa voambara. 3 Vahiny iray no azonao hangatahina izany; fa na inona na inona anao eo ampelan-tanan'ny rahalahinao dia tokony hafoinao. 4 Koa, tsy tokony hisy olona mahantra eo aminao (fa Yaveh dia hitahy anao any amin'ny tany izay omeny anao tahaka ny lova ho fanananao), 5 raha toa ka mihaino tsara ny feon'Yaveh Andriamanitrao ianao, ka mitandrina ireo didy rehetra izay handidiko anao izao. 6 Fa Yaveh Andriamanitrao hitahy anao, araka izay nampanantenainy anao; ary hampisambotra amin'ny firenena maro ianao, fa tsy hindrana; hanapaka amin'ny firenena maro ianao, fa izy ireo kosa tsy hanapaka anao. 7 Raha misy lehilahy mahantra eo aminao, iray amin'ireo rahalahinao, izay ao amin'ny vavahadinao rehetra eo amin'ny tany izay nomen'Yaveh Andriamanitrao anao, aza manamafy ny fonao na manidy ny tananao amin'ny rahalahinao mahantra; 8 fa sokafy tsara aminy ny tananao ary ampindramo izay ilainy izy. 9 Mitandrema mba tsy hanana sain-dratsy ao am-pona, manao hoe: "Ny taona fahafito, ilay taonan'ny fanafahana, dia efa akaiky, mba tsy ho kahihitra eo imason'ireo rahalahinao ianao ary tsy hanome azy ireo na inona na inona; ary hitaraina amin'i Yaveh momba anao izy, ka fahotana ho anao izany. 10 Tsy maintsy homenao izy, ary tsy tokony hanenina ny fonao rehefa manome azy ianao, satria ny valin'izany dia hitahy anao amin'ny asanao rehetra sy izay rehetra ataon'ny tananao i Yaveh Andriamanitrao. 11 Satria ny mahantra dia tsy hitsahatra hisy eto amin'ny tany; noho izany no handidiko anao sy hilazako hoe: 'Sokafy tsara amin'ny rahalahinao ny tananao, ho an'izay mila ny fanampinao, ary amin'ireo mahantranao ao amin'ny taninao.' 12 Raha amidy aminao sy manompo anao mandritry ny enin-taona ny rahalahinao, lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, dia tsy maintsy hamela azy malalaka ianao amin'ny taona fahafito. 13 Rehefa avelanao handeha malalaka eo aminao izy, dia aza avela handeha tanam-polo. 14 Vatsio ondry aman'osinao, ny famoloan'ny varinao, sy ny famiazam-boalobokao amim-pahalalahana izy. Araka izay efa nitahian'i Yaveh Andriamanitrao anao, tsy maintsy homenao izy. 15 Tadidio fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianareo, ary io Yaveh Andriamanitrareo io no nanavotra anareo; noho izany mandidy anareo aho izao hanao izany. 16 Hitranga izany rehefa miteny anareo izy hoe: 'Tsy hiala eo aminareo aho.' satria izy tianareo sy ny tranonareo, ary satria izy dia tsara aminareo, 17 Ary alaivo ny haolo ka teveo amin'ny sofiny eo am-baravaranana, dia ho mpanomponareo mandrakizay izy. Tsy maintsy ataonareo izany koa ny mpanompovavinareo 18 Tsy tokony ho sarotra aminareo ny handefa azy malalaka aminareo, satria efa nanompo anareo nandritry ny enin-taona izy ary nanome avo roa heny ny vidin'ny olona karamaina. Yaveh Andriamanitrareo dia hitahy anareo amin'izay rehetra ataonareo. 19 Ny lahy rehetra amin'ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman'osinareo rehetra dia tsy maintsy hatokanareo ho an'i Yaveh Andriamanitrareo. Tsy hanao asa miaraka amin'ny voalohan-teraky ny ombinareo ianareo, na manety ny voalohan-teraky ny ondrinareo. 20 Hano eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo isan-taona isan-taona ny voalohan-teraka eo amin'ny toerana izay hofidianan'i Yaveh, anareo sy ny ankohonanareo. 21 Raha misy kilema izany— ohatra, raha mandringa na jamba, na inona na inona kilema hafa—aza atao sorona ho an'i Yaveh Andriamanitrareo izany. 22 Hihinana izany ao amin'ireo vavahadinareo ianareo; ireo olona maloto sy ny olona madio dia tsy maintsy mihinana izany, tahaka ny hihinananareo gazela na diera. 23 Fa kosa tsy tokony mihinana ny ràn'izany ianareo; fa ararao eo amin'ny tany tahaka ny rano ny ràny.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"7 taona"
"avelao daholo ny zavatra rehetra izay mbola trosan'ny olona aminao"
"Izany no fomba hanafoanana ireo trosa"
Olona izay mampinadrana vola amin'ny olona hafa.
Ny teny hoe "mpiara-belona" sy "rahalahy" dia manana dika mitovy ary manamafy ny fifandraisana akaiky izay hananan'izy ireo amin'ireo Israelita naman'izy ireo. DH: "ireo Israelita namany"
DH: "Satria Yaveh nangataka ny mba hanafoananao ireo trosa"
DH: "tsy tokony asainao haverina izany" na "tsy tokony hangataka fandoavana ianao"
Maneho ilay tanin'i Kanana ity.
Ny tany izay omen'i Yaveh ny vahoaka dia resahina toy ny hoe lova izay omen'i Yaveh azy ireo izany.
Eto ny sarinteny hoe "feon'i Yaveh" dia maneho izay lazain'i Yaveh. DH: "raha mba mitandrina ny hankato an'izay lazain'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo"
DH: "hampisambotra vola ianao ... fa tsy hindrana vola"
Eto ny hoe "firenena" dia maneho ny vahoaka. DH: "amin'ny vahoakan'ny firenena maro ... amin'ny vahoakan'ny firenena maro"
Eto ny hoe "manapaka" dia midika hoe manam-bola be. Mitovy hevitra amin'ny ampahan'ilay fehezanteny teo aloha ity.
Eto ny hoe "lehilahy" dia midika hoe olona amin'ny ankapobeny. DH: "raha misy olona mahantra"
"iray amin'ireo Israelita namanao"
Eto ny hoe "vavahady" dia maneho ilay tanàna mihitsy. DH: "ao amin'ireo tanànanao rehetra"
Ny hoe mafy loha dia resahina toy ny hoe nanamafy ny fony ilay olona. DH: "aza mafy loha"
Ny olona izay mandà ny hamatsy ny olona mahantra dia resahina toy ny hoe manidy ny tanany izy mba tsy hahazo na inona na inona avy aminy ilay olona mahantra. DH: "na mandà ny hanampy ny Israelita namanao izay mahantra"
Ny olona izay manampy olona mahantra dia resahina toy ny hoe manokatra ny tanany aminy izy. DH: "fa aoka hanampy azy tokoa ianao"
Eto ny hoe "fo" dia maneho ny sain'ilay olona. DH: "mba tsy hieritreri-dratsy"
Izany dia midika fa satria hitranga tsy ho ela ny taonan'ny fanafahana, dia hisalasala hanampy ny olona mahantra ny olona mieritreritra ity satria mety tsy mila mamerina aminy izany olona mahantra izany. Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fanambarana ity.
"ilay taona fanafoanana ireo trosa"
Ny zavatra izay hitranga tsy ho ela dia resahina toy ny hoe efa akaiky ara-batana izany. DH: "hitranga tsy ho ela"
"mba tsy ho mafy loha sy handà ny hanome na inona na inona amin'ny Israelita namanao ianao"
"hangataga fanampiana amin'i Yaveh"
"Yaveh dia handray izay vitanao ho fahotana"
Eto ny hoe "fo" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "tsy tokony hanenina amin'izany ianao" na "tokony ho faly ianao"
Eto ny hoe "ataon'ny tananao" dia maneho ilay olona mihitsy sy ny asa izay vitany. DH: "amin'izay rehetra ataonao"
DH: "satria hisy mahantra mandrakariva eo amin'ilay tany"
DH: "satria ny olona mahantra"
DH: "mandidy anao mba hanokatra ny tananao aho ... ao amin'ny taninao"
Ny olona izay vonona hanampy olona hafa dia resahina toy ny hoe misokatra ny tanany. DH: "ampio ny Israelita namanao, ireo izay mila fanampiana, sy ireo izay mahantra"
Ireo teny hoe "mila fanampiana" sy "mahantra" dia manana dika mitovy ary manamafy fa ireo dia olona izay tsy afaka manampy ny tenan'izy ireo. DH: "ampio ireo Israelita namanao izay tsy afaka manampy ny tenan'izy ireo"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Eto ny hoe "rahalahy" dia midika hoe Israelita amin'ny ankapobeny, na lahy na vavy. DH: "raha misy namana Israelita" na "raha misy namana Hebreo"
Raha tsy afaka manonitra ny trosany ny olona iray, dia matetika izy ireo mivarotra ny tenany ho amin'ny fanandevozana mba hanefana izay notrosainy. DH: "mivarotra ny tenany aminao"
"6 taona"
"faha 7 taona."
Ny olona tsy manana fananana omea ny tenany na ny fianakaviany dia resahina toy ny hoe tsy misy na inona na inona eny an-tanany. DH: "aza avela andeha amin'izao tsy manana na inona na inona omena ny tenany sy ny fianakaviany izy"
"manomeza be azy"
Ireo razamben'izy ireo izay andevo nandritry ny taona maro dia tafiditra ao anatin'ity "ianareo" ity. DH: "tadidio fa efa andevo ireo vahoakanao"
Yaveh manavotra ny vahoakan'Israely amin'ny fanandevozana any Egypta dia resahina toy ny hoe nandoa vola mba hanafahana ny vahoakany amin'ny fanandevozana Yaveh.
DH: "raha miteny anareo izy fa tsy hiala eo aminareo"
Eto ny hoe "trano" dia maneho ny fianakavian'ilay olona.
"ary hapetrakao eo akaikin'ny rafi-baravarana hazo ao a-tranonao ny lohany, ary avy eo apetraho eo amin'ilay hazo eo amin'ny ravin-tsofiny ny lohan'ilay haolo"
fitaovana maranitra ampiasaina handavahana.
"hatramin'ny faran'ny fiainany" na "mandra-pahafatiny"
Izany dia midika fa tsy tokony tezitra amin'izany izy ireo rehetra mandefa azy malalaka. DH: "mifalia rehefa mandefa azy malalaka"
Izany dia midika hoe nila nandoa ny vidin'ilay andevony fotsiny ilay tompo mba hiasa fa tsy toy ny ataony amin'ny olona karamainy mba hiasa.
Olona miasa handoavam-bola izany.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
manapaka volo
"amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
sembana ara-batana.
Eto ny hoe "vavahady" dia maneho ilay tanàna mihitsy. DH: "ao amin'ny fiarahamoninareo" na "ao amin'ny tanànanareo"
Ny olona izay tsy ekena amin'ny tanjon' Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana ilay olona.
Ny olona izay ekena amin'ny tanjon' Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio ara-batana ilay olona.
Bibidia manana tonotra mahia lava izay afaka mihazakazana mafy ireo. Jereo ny fomba nandikanao ireo tao amin'ny 12:15.
"aza mihinana ny ràn'izany ianareo." Tsy navelan'Andriamanitra hihinana rà ireo Israelita satria ny rà dia maneho ny aina.
1 Tandrovy ny volan'i Abiba, ary tandromy ho an'i Yaveh Andriamanitrareo ny Paska, satria tamin'ny volan'i Abiba no namoahan'i Yaveh Andriamanitrareo anareo tao Egypta nandritry ny alina. 2 Mandritry ny Paska dia ho ataonareo sorona ho an'i Yaveh Andriamanitrareo ny sasany amin'ireo ondry aman'osy ary ny omby ao amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh ho fitoerany masina. 3 Haninareo miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira izany; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira miaraka amin'izany, ny mofom-pahoriana; satria tampoka no nivoahanareo tao Egypta. Ataovy izany mandritry ny androm-piainanareo mba hahatsiarovanareo ilay andro nivoahanareo tao amin'ny tany Egypta. 4 Mandritry ny fito andro dia tsy tokony hahitana lalivay eo amin'ny faritra rehetra misy anareo; na hahitana iray amin'ireo hena izay natao sorona ny hariva ho tehirizana mandra-maraina. 5 Mandritry ny Paska dia tsy hanao sorona biby ao anatin'ny vavahadin'ny tanànanareo izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo ho anareo ianareo. 6 Fa kosa, manaova sorona eny amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh Andriamanitrareo ho fitoerany masina. Eo no hanaovanareo sorona ho an'ny Paska ny hariva mileti-masoandro, amin'ilay andro iray anatin'ny taona izay nivoahanareo tao Egypta. 7 Hatonoy izany ary hano eny amin'ny toerana izay ho safidian'Yaveh Andriamanitrareo; ny maraina ianareo dia hitodika ary hiverina ao amin'ireo lainareo. 8 Hihinana mofo tsy misy masirasira ianareo mandritry ny enina andro; amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana manetriketrika ho an'i Yaveh Andriamanitrareo; amin'io andro io dia tsy mahazo miasa ianareo. 9 Dia manisà fito herinandro; manomboka amin'ny fotoana hijinjanareo voalohany ny vary amin'ny antsy finjinjana no hanisànareo ireo herinandro fito. 10 Hazony ho an'i Yaveh Andriamanitrareo ny Herinandro Firavoravoana miaraka amin'ny fandraisana anjara amin'ny fanati-tsitrapo avy eny an-tananareo izay ho homenareo, araka ny nitahian'i Yaveh Andriamanitrareo anareo. 11 Hifaly eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo—ianareo, ny zanakareo lahy, ny zanakareo vavy, ny mpanomponareo lahy, ny mpanomponareo vavy, ny Levita izay ao amin'ny vavahadin'ny tanànanareo, sy ireo mpivahiny, ireo kamboty ray, ary ny mpitondratena eo aminareo, eo amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh Andriamanitrareo ho fitoerany masina. 12 Ho tsaroanareo fa andevo tany Egypta ianareo; tandrovy ary hampiaro ireo lalàna ireo. 13 Tandrovy ny Fetin'ny Fialofana mandritry ny fito andro aorian'ny fanangonanareo ny vokatra avy amin'ny famoloana sy ny famiazanareo. 14 Hifaly ianareo mandritry ny firavoravoanareo—ianareo, ny zanakareo lahy, ny zanakareo vavy, ny mpanomponareo lahy, ny mpanomponareo vavy, ny Levita, sy ireo mpivahiny, ary ireo kamboty, sy ny mpitondratena izay ao anatin'ny vavahadinareo. 15 Mandritry ny fito andro ianareo dia hitandrina ny firavoravoana ho an'i Yaveh Andriamanitrareo eny amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh, satria i Yaveh Andriamanitrareo dia hitahy anareo amin'ny vokatra sy ny asan'ny tananareo rehetra, ary dia hifaly tokoa ianareo. 16 Ireo lehilahinareo dia hiseho in-telo isan-taona eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo eny amin'ny toerana izay ho safidiany: any amin'ny Firavoravoana ny Mofo tsy misy masirasira, any amin'ny Herinandro Firavoravoana, sy any amin'ny Fetin'ny Tabernakely; ary tsy hiseho tanam-polo eo anoloan'i Yaveh izy ireo; 17 fa kosa, hanome araka izay tratrany ny lehilahy rehetra, mba hahafantaranareo ny fitahiana izay efa nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo. 18 Manendre mpitsara sy manam-boninahitra ao anatin'ny vavahadin'ny tanànanareo rehetra izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo; ho alaina isam-pokonareo izy ireo, ary hitsara ny olona amin'ny fitsaràna marina. Tsy 19 Tsy tokony haka an-kery ny fitsaràna ianareo; tsy tokony mampiseho fitanilanana na koa mandray kolikoly, satria ny kolikoly mahajamba ny mason'ireo hendry ary mamadika ireo tenin'ny fahamarinana. 20 Tokony hanaraka ny fitsaràna ianareo, ny fitsaràna irery, mba hiainanareo sy handovanareo ny tany izay homen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo. 21 Aza manangana Aseraha ho an'ny tenanareo, na karazana bao, akaikin'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrareo izay ho ataonareo ho an'ny tenanareo ianareo. 22 Ianareo ihany koa dia tsy tokony hanangana andrim-bato masina ho an'ny tenanareo, izay halan'i Yaveh Andriamanitrareo.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo izany. Izany dia manamarika ny fotoana nitondran'i Yaveh ny vahoakan'Israely nivoaka an'i Egypta. Tamin'ny ampahany farany amin'ny Martsa sy ny ampahany voalohany amin'ny Aprily amin'ny tetiandro tandrefana izany.
Ny tiana ambara amin'ny hoe "tandromy ny Paska" dia hoe mba hankalaza sy hihinana ny sakafon'ny Paska izy ireo. DH: "ankalazao ny sakafon'ny Paska" na "hano ny sakafon'ny Paska"
Eto ny hoe "izany" dia maneho ilay biby izay ho ataon'izy ireo sorona sy hohanina.
"7 andro"
Izany no anaran'ny mofo tsy misy masirasira. DH: "izany mofo izany dia hampatsiahy anareo ny hamafin'ny fijalianareo fony tany Egypta"
Ny olona dia nila nivoaka ny tany Egypta aingana ka tsy nanana fotoana hanaovana mofo misy lalivay izy ireo. DH: "tamin'ny fivoahana tampoka tao Egypta dia tsy nanam-potoana hanaovana mofo misy lalivay ianareo"
"Ataovy izany raha mbola velona koa ianareo"
Fomba fiteny ity. DH: "tadidinareo"
"ao amin'ny faritrao" na "ao amin'ny taninao rehetra"
Eto ny hoe "vavahady" dia maneho ireo tanàna mihitsy. DH: "ao anatin'ny tanànanareo rehetra"
"mody masoandro"
"handraoy izany"
"6 andro"
"andro faha 7"
"fihaonana miavaka"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"manisà 7 herinandro"
Ny fehezanteny hoe "hijinjana vary" dia fomba hanehoana ny fiantombohan'ny fotoam-piotazana.
fitaovana misy faritra fisaka maranitra miolana ampiasaina hanapahana bozaka, vary, sy voaloboka.
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "ary hanome ny fanati-tsitraponareo ianareo"
"araka ny vokatra izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo." Izany dia midika fa ny olona dia hifototra amin'ny habetsaky ny atolotr'izy ireo amin'ny hamaron'izay notazan'izy ireo tamin'izany taona izany.
Tsy manondro olona manokana ireo. Izany dia midika hoe ireo karazan'olona ireo amin'ny ankapobeny. DH: "Ireo zanakareo lahy, ireo zanakareo vavy, ireo mpanomponareo lahy, ireo mpanomponareo vavy, ny Levita rehetra."
Eto ny hoe "vavahady" dia maneho ilay tanàna mihitsy. DH: "ao amin'ny tanànanareo"
Ireo dia maneho an'ireo karazan'olona ireo amin'ny ankapobeny. DH: "ny mpivahiny rehetra, ireo kamboty, sy ireo mpitondratena"
Ireo dia ankizy izay samy efa maty ny ray aman-dreniny ary tsy manana havana hikarakara azy ireo.
Ity dia ireo vehivavy izay maty vady ary tsy manan-janaka hikarakara azy amin'ny fahanterany.
Fomba fiteny ity. DH: "ho tadidinareo"
Anarana hafa hiantsoana ity fety ity ny hoe "Fetin'ny Tabernakely," "Fetin'ny Trano heva," ary "Fetin'ny Fanangoana." Manditry ny foatoam-pojinjana, dia mametratra fialofana vonjimaika eny an-tsaha ny mpamboly. Ilay fety dia miseho aorian'ny fijinjana farany amin'ny taona.
"7 andro"
Eto ny hoe "vavahady" dia maneho ireo tanàna mihitsy. DH: "ao amin'ireo tanànanareo"
"ny firavoravoan'ny Fialofana"
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "ny asa rehetra ataonareo"
Ireo vehivavy dia nahazo alalana, fa tsy nasain'i Yaveh tonga izy ireo. Ireo lehilahy dia afaka misolo-tena ny fianakavian'izy ireo manontolo.
"ho tonga sy hitsangana amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
Izy ireo dia tsy ho avy tsy miaraka amin'ny fanatitra eo anoloan'i Yaveh. DH: "ny olona rehetra izay tonga eo anoloan'i Yaveh dia tsy maintsy mitondra fanatitra. Ny lehilahy rehetra"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"misafidiana mpitsara"
Eto ny hoe "vavahady" dia misolotena an'ilay tanàna mihitsy. DH: "ao amin'ny tanànanareo rehetra"
DH: "ho fidianareo izy ireo"
"hitsara ny olona ara-drariny"
Mosesy miresaka fitsaràna toy ny hoe zavatra materialy izay afaka esorin'ny olona matanjaka amin-kery eny amin'ny olona malemy izany. DH: "tokony hitsara ara-drariny ianao rehefa mitsara" Ny fiteninao dia mety manana teny iray izay midika hoe "mampiasa hery mba hangalana." DH: "tokony handray fanapahan-kevitra ara-drariny ianareo"
Eto ny hoe "ianareo" dia maneho an'ireo izay ho voatendry ho mpitsara sy manam-boninahitra.
Ny fakàna kolikoly dia resahina toy ny hoe manimba ny olona ilay kolikoly. DH: "fa na dia ny olon-kendry izay manaiky kolikoly aza dia ho jamba, ary na dia ny olo-marina izay manaiky kolikoly aza dia hilaza lainga"
Ny olon-kendry izay manaiky kolikoly mba tsy hiteny manohitra zavatra ratsy izy dia resahina toy ny hoe lasa jamba izy.
DH: "olon-kendry"
DH: "mahatonga olo-marina handainga"
Ny fitsaràna dia resahina toy ny hoe olona mandeha. Ny olona izay manao ny rariny sy ny hitsiny dia resahina toy ny hoe manaraka akaiky ao aorian'ny fitsaràna izy. DH: "manaova izay rariny ihany"
Ny fandraisana ny tany izay omen'Andriamanitra ho an'ny vahoaka dia resahina toy ny hoe mandova ilay tany avy amin'Andriamanitra ireo vahoaka.
Eto ny hoe "ianareo" dia maneho ny vahoakan'Israely rehetra.
Ny fehezanteny hoe "izay halan'i Yaveh Andriamanitrareo" dia manome fampahafantarana bebe kokoa momban'ilay andrim-bato masina. DH: "Ny andrim-bato masina rehetra satria halan'i Yaveh Andriamanitrareo ireny"
Ity dia maneho ireo andrim-bato izay sampy ampiasaina hivavahana amin'ny andriamanitra hafa.
1 Aza manao sorona omby na ondry izay misy kilema na zavatra ratsy ho an'i Yaveh Andriamanitrareo, satria izany dia fahavetavetana amin'i Yaveh Andriamanitrareo. 2 Ary raha misy eo aminareo, ao amin'ireo vavahadin'ny tanànareo izay nomen'Andriamanitra anareo, lehilahy na vehivavy hita manao izay ratsy eo imason'i Yaveh Andriamanitrareo ary mivadika amin'ny fanekeny, 3 na iza na iza nandeha sy nanompo andriamani-kafa ary miankohoka amin'izy ireo, na masoandro, na volana, na izay zavatra rehetra eny amin'ny lanitra—izay tsy nandidiko anareo— 4 ary raha lazaina ny amin'izany ianareo, na efa renareo izany, dia aoka ianareo hanao fanadihadiana tsara. Raha marina ary azo antoka fa nisy fametavetana tahaka izany natao tao Israely, dia izao no tokony ataonareo. 5 Aoka ho entinareo eo amin'ny vavahadin'ny tanàna, ny lehilahy na vehivavy, izay nanao izany zava-dratsy izany, aoka ho torahanareo amin'ny vato ho faty izany olona izany. 6 Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa, na vavolombelona telo, dia aoka ho vonoina ho faty izy; fa amin'ny tenin'ny vavolombelona iray monja dia aoka tsy ho vonoina ho faty izy. 7 Tsy maintsy ny tanan'ireo vavolombelona no voalohany mamono azy ho faty, ary aorian'izany dia ny tanan'ireo vahoaka rehetra; ary ho esorinao tsy ho eo aminareo ny ratsy. 8 Raha misy raharaha mitranga izay sarotra loatra aminareo ny mitsara azy—mety hoe resaka vono olona na fahafatesana tsinahy, teo amin'ny zon'olona sy zon'olona iray hafa, na karazana fandratrana natao, na karazana raharaha hafa, raharaha mampiady hevitra eo amin'ireo vavahadin'ny tanànanareo—dia aoka ianareo hiakatra any amin'ny toerana izay ho fidian'i Yaveh Andriamanitrareo ho fitoerany masina. 9 Aoka ianareo handeha any amin'ireo mpisorona, ireo taranak'i Levy, ary any amin'ireo mpitsara izay tompon'anjara amin'izany fotoana izany; hitady ny hevitr'izy ireo ianareo, ary homen'izy ireo anareo ny didim-pitsaràna. 10 Aoka arahinareo ny lalàna nomena anareo ao amin'ny toerana ho safidian'i Yaveh ho fitoerany masina. Hitandrina hanao ny zava-drehetra izay hanoron'izy ireo lalana hataonareo ianareo. 11 Araho ny lalàna izay ampianarin'izy ireo anareo, ary ataovy araka ireo fanapahan-kevitra omen'izy ireo anareo. Aza mivily amin'izay nolazain'izy ireo anareo, ho any ankavanana na ho any ankavia. 12 Na iza na iza miavonavona, amin'ny tsy fihainoana ny mpisorona izay mitsangana hanompo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo, na amin'ny tsy fihainoana ny mpitsara—izany olona izany dia ho faty; hanala ny ratsy amin'Israely ianareo. 13 Aoka ny olona rehetra handre ary hatahotra, ary tsy hiavonavona intsony. 14 Rehefa tonga any amin'ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ianareo, ary rehefa azonareo izany ka manomboka mipetraka ao ianareo, dia hoy ianareo hoe: "Hametraka mpanjaka eo amiko aho, tahaka ireo firenena rehetra izay manodidina ahy,' 15 ary dia tsy maintsy hametraka mpanjaka eo aminareo tokoa ianareo izay olona ho fidian'i Yaveh Andriamanitrareo. Tsy maintsy hametraka mpanjaka eo aminareo ianareo izay olona avy amin'ireo rahalahinareo. Tsy afaka mametraka vahiny, izay tsy rahalahinareo, eo aminareo ianareo. 16 Kanefa tsy azony atao ny manamaro soavaly ho an'ny tenany, na hahatonga ny vahoaka hiverina any Egypta mba hahafahany manamaro ireo soavaly, fa hoy Yaveh taminareo hoe: "Tsy hiverina amin'izany lalana izany intsony ianareo.' 17 Tsy mahazo maka vady maro ho an'ny tenany izy, mba tsy hiodinan'ny fony any an-kafa. Tsy mahazo manangona volafotsy sy volamena be dia be izy. 18 Rehefa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany izy, dia tsy maintsy soratany ho an'ny tenany amin'ny horonan-taratasy ny lalàna, avy amin'ny lalàna izay eo anoloan'ireo mpisorona, izay Levita. 19 Tsy maintsy miaraka aminy ny horonan-taratasy, ary tsy maintsy vakiany izany amin'ny andro rehetra hiainany, mba hahafahany mianatra manaja an'i Yaveh Andriamanitrareo, mba hitànany ireo teny rehetran'ireto didy aman-dalàna ireto, mba hitandremana azy ireo. 20 Tsy maintsy ataony izany mba tsy hireharehan'ny fony amin'ireo rahalahiny, ary mba tsy hiviliany amin'ireo didy, ho any an-kavanana na ho any an-kavia; mba hahalava ireo androny sy ireo zanany ao amin'ny fanjakany, eo amin'Israely.
Mbola miteny amin'ireo vahoakan'Israely i Mosesy.
"izay maharikoriko amin'i Yaveh"
Eto ny hoe "vavahadin'ny tanàna" dia misolotena ireo tanàna. DH: "mipetraka ao amin'ny iray amin'ireo tanànanareo"
Eto ny hoe "eo imason'i Yaveh" dia midika hoe izay heverina na eritreretin'i Yaveh momban'ny zavatra iray. DH: "zavatra izay eritreretin'i Yaveh Andriamanitrareo fa ratsy"
"tsy mankato ny fanekeny"
"ireo kintana rehetra"
"izay tsy nandidiko an'iza na iza mba hatao"
DH: "raha misy olona milaza aminareo ny momban'izany hetsika tsy fankatoavana izany"
DH: "aoka ianareo hanadihady tsara izay nitranga"
DH: "nisy olona nanao zavatra mahatsiravina tao Israely"
Eto ny hoe "teny" dia maneho ny fijoroana vavolombelon'ny vavolombelona iray. DH: "Raha misy vavolombelona roa na telo miteny manohitra ilay olona, dia aoka ho vonoinareo izy"
Eto ny hoe "teny" dia maneho ny fijoroana vavolombelon'ny vavolombelona iray. DH: "fa raha misy olona iray fotsiny miteny manohitra azy, dia aoka tsy ho vonoinareo izy"
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ilay vondrona vavolombelona mihitsy. DH: "Ireo vavolombelona mihitsy no ho voalohany hitora-bato, Avy eo ny vahoaka hamono ilay olona amin'ny alalan'ny fitoraham-bato azy"
DH: "aoka ho esorinao eo amin'ireo Israelita izany olona izay manao zavatra ratsy izany" na "aoka ho vonoinareo izany olon-dratsy izany"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"raha misy toe-javatra"
Ny "zo" dia fahefana ara-dalàn'ny olona iray hanao zavatra na haka fananana zavatra iray.
Eto ny hoe "vavahadin'ny tanàna" dia maneho ireo tanàna mihitsy. DH: "ao amin'ireo tanànanareo"
DH: "hangataka azy ireo mba hanoro hevitra anareo ianareo"
DH: "hanapa-kevitra amin'ilay raharaha izy ireo"
Ny olona mankato ny fanapahan-kevitry ny mpisorona sy ny mpitsara dia resahina toy ny hoe manaraka ara-batana avy ao aorian'ilay lalàna ilay olona. DH: "tokony hankatoa izay tapaky ny mpisorona sy ny mpitsara momban'ilay raharaha ianareo"
Ny olona tsy manao arak'izay lazain'ny mpitsara sy mpisorona dia resahina toy ny hoe nivily tamin'ny lala-marina izy. DH: "Aza tsy mankato izay rehetra lazain'izy ireo anareo" DH: "Ataovy izay rehetra lazain'izy ireo"
"sy tsy mankato ny mpisorona ... na tsy mankato ny mpitsara"
DH: "aoka esorinareo eo amin'ireo Israelita ilay olona izay manao izao zavatra ratsy izao" na "aoka ho vonoinareo izany olon-dratsy izany"
Izany dia midika fa ny vahoaka rehefa mandre momban'ilay olona izay novonoina nohon'ny fiavonavonana, dia hatahotra izy ireo ary tsy hiavonavona.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Ny teny hoe "tonga" dia afaka adika hoe "miditra"
DH: "dia hanapa-kevitra ianareo fa mila mpanjaka tahaka ny hananan'ireo olona eo amin'ireo firenena izay manodidina anareo mpanjaka"
DH: "Hametraka mpanjaka eo amintsika isika ... manodidina antsika"
Ny manome olona iray ny fahefana hanapaka ho mpanjaka ao amin'Israely dia resahina toy ny hoe mametraka ilay olona eo amin'ny toerana ambonin'izy ireo ny vahoaka.
"ireo firenena rehetra manodidina"
Ny hoe "ireo firenena rehetra" eto dia maneho ny vahoaka izay monina ao amin'ireo firenena.
"iray amin'ireo Israelita namanareo"
Manana dika mitovy ireo. Samy maneho olona iray izay tsy Israelita. Yaveh dia manamafy fa ny vahoakan'Israely dia tsy tokony hamela vahiny hanapaka eo amin'izy ireo. DH: "vahiny eo aminareo" na "olona tsy Israelita eo aminareo"
DH: "fa Yaveh niteny taminareo fa tsy hiverina any Egypta intsony ianareo"
Eto ny hoe "fo" dia maneho ilay olona mihitsy. Ny mpanjaka Israelita izay manambady vahiny sy manomboka manompo ny andriamanitra sandok'izy ireo dia resahina toy ny hoe hivily amin'i Yaveh ny fony. DH: "mba tsy hampiodina azy amin'i Yaveh izy ireo ka hanomboka hanompo andriamanitra diso"
Eto ny hoe "seza fiandrianana" dia maneho ny hery sy fahefan'ny olona iray amin'ny maha-mpanjaka. Ny hoe mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana dia midika hoe lasa mpanjaka. DH: "Rehefa lasa mpanjaka izy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "tsy maintsy manoratra dika mitovy amin'ity lalàna ity ao anaty horonan-taratasy ho an'ny tenany izy" na 2) "tsy maintsy manondro olona iray mba hanoratra dika mitovy amin'ity lalàna ity ao anaty horonan-taratasy ho azy izy"
"avy amin'ilay dika mitovy amin'ilay lalàna izay hazonin'ireo mpisorona Levitika"
Manana dika mitovy ireo fehezanteny roa ireo ary manamafy fa tokony mankato ny lalàn' Andriamanitra rehetra ny mpanjaka.
Eto ny hoe "fo" dia maneho ilay olona mihitsy. Ny mpanjaka izay lasa miavonavona dia resahina toy ny hoe mirehareha ny fony. DH: "mba tsy ho lasa miavonavona izy" na "mba tsy hieritreritra izy hoe tsara kokoa noho ireo Israelita namany"
Ny mpanjaka tsy mankatoa ireo didin' Andriamanitra dia resahina toy ny hoe olona mamono an'ilay lala-marina. DH: "mba tsy tsy hankato ireo didy izy" DH: "mba hankato ireo didy rehetra izy"
DH: "mba ho afaka ny hiaina mandritry ny fotoana lava"
1 Ireo mpisorona, izay Levitika, ary ny fokon'i Levy rehetra, dia tsy hahazo anjara na lova miaraka amin'Israely; tsy maintsy mihinana ireo fanatitr'i Yaveh natao tamin'ny afo toy ny lovany izy ireo. 2 Tsy tokony mahazo lova eo amin'ireo rahalahiny izy ireo; Yaveh no lovan'izy ireo, araka ny efa nolazainy tamin'izy ireo. 3 Izao no anjaran'ny mpisorona avy any amin'ny vahoaka, sy avy any amin'ireo nanao sorona na ireo omby na ireo ondry: tokony homen'izy ireo ho an'ny mpisorona ny soroka, ny takolany roa, sy ireo atiny. 4 Ireo voaloham-bokatry ny varinao, ny divainao vaovao, sy ny diloilonao, ary ny volon'ondrinao voalohany, dia tokony homenao azy izany. 5 Fa Yaveh Andriamanitrareo no nifidy azy teo amin'ny fokonareo rehetra mba hijoro sy hanompo amin'ny anaran'i Yaveh, izy sy ny zanany lahy mandrakizay. 6 Raha misy Levita iray tonga avy amin'ny tanànanareo niala ny Israely rehetra izay nipetrahany, ary maniry amin'ny fanahiny rehetra ho tonga amin'ilay toerana izay ho fidian'i Yave, 7 dia tsy maintsy manompo amin'ny anaran'i Yaveh Andriamaniny izy toy ny ataon'ireo Levita rehetra rahalahiny, izay mijoro ao manoloana an'i Yaveh. 8 Tokony hanana ny anjara fihinanana mitovy izy ireo, ankoatran'izay azo amin'ny fivarotana ny lovan'ny fianakaviany. 9 Rehefa tafiditra ao amin'ny tany izay homen'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, dia aza mianatra mandinika ny fahavetavetan'ireo firenena ireo. 10 Tsy tokony hahitana olona mametraka ny zanany lahy na ny zanany vavy anaty afo eo aminareo, na iza na iza mampiasa sikidy, na misikidy, mampiasa ody, na manao ody, 11 mpanao vintana, miresaka amin'ny maty, na izay miresaka amin'ireo fanahy. 12 Fa na iza na iza manao ireo zavatra ireo dia fahavetavetana amin'i Yaveh izany; satria noho ireo fahavetavetana ireo no handroahan'i Yaveh Andriamanitrareo azy ireo tsy ho eo anoloanareo. 13 Aoka tsy hanan-tsiny eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo. 14 Fa ireo firenena izay ho alainareo ireo dia mihaino ireo mpanao ody sy sikidy; fa ianareo kosa, Yaveh Andriamanitrareo dia tsy namela anareo nanao izany. 15 Hanangana mpaminany avy aminareo ho anareo i Yaveh Andriamanitrareo, iray amin'ireo rahalahinareo, tahaka ahy. Tokony henoinareo izy. 16 Izany no nangatahinareo tamin'i Yaveh Andriamanitrareo tany Horeba tamin'ny andron'ny fiangonana, manao hoe: 'Andeha isika tsy handre ny feon'i Yaveh Andriamanitsika intsony, na hahita ity afo lehibe ity intsony, fandrao ho faty isika.' 17 Ary hoy Yaveh tamiko hoe: 'Tsara ireo izay nolazain'izy ireo. 18 Hanangana mpaminany iray ho an'izy ireo Aho ho eo amin'ireo rahalahin'izy ireo, izay tahaka anareo. Hataoko ao am-bavany ireo teniko, ary ho lazainy azy ireo izay nandidiko azy rehetra. 19 Hiseho izany raha misy olona tsy mihaino ireo teniko izay lazainy amin'ny anarako, ho takiko aminy izany. 20 Fa ilay mpaminany izay milaza teny am-pireharehana amin'ny anarako, ny teny izay tsy nandidiko azy ho lazaina, na izay miteny amin'ny anaran'ireo andriamanitra hafa, dia tsy maintsy ho faty izany mpaminany izany. 21 Izao no tokony ho lazainareo ao am-ponareo: "Ahoana no hanekenay hafatra izay tsy nolazain'i Yaveh?' 22 Hanaiky ny hafatra izay nolazain'i Yaveh ianareo rehefa miteny amin'ny anaran'i Yaveh ny mpaminany. Raha tsy mitranga na tsy tanteraka izany zavatra izany, noho izany dia zavatra tsy nolazain'i Yaveh izany ary niteny izany tamim-pireharehana ny mpaminany, ka tsy tokony hatahotra azy ianareo.
Mosesy manohy milaza amin'ny vahoakan'Israely ny amin'izay tian'i Yaveh ataon'izy ireo.
Ireo Levita tsy mandray tany avy amin'i Yaveh dia resahina toy ny hoe tsy handray lova izy ireo. DH: "tsy haka fananana amin'ireo tanin'Israely rehetra" na "tsy hahazo amin'ireo tany izay ho fananan'ireo Israelita"
"tsy hahazo ampahany" na "tsy hahazo zara"
"eo amin'ireo fokon'Israely hafa" na "eo amin'ireo Israelita hafa"
Mosesy dia miresaka ny voninahitra lehibe ho azon'i Arona sy ireo taranany amin'ny fanompoana an'i Yaveh tahaka ny mpisorona toy ny hoe zavatra izay ho lovain'izy ireo Yaveh. Jereo ny fomba nandikanao fehezanteny mitovy tao amin'ny 10:8. DH: "fa kosa, hanana an'i Yaveh izy ireo" na "fa kosa, hamela azy ireo hanompo Azy Yaveh ary hamatsy azy ireo mandritr'izany fanompoana izany"
"fitakian'ny mpisorona" na "zaran'ny mpisorona"
Ny vavony sy ny kibo ity.
"tokony homenao ny mpisorona"
Eto ny hoe "azy" dia maneho ny Levita rehetra.
Eto ny hoe "amin'ny anaran'i Yaveh" dia manambara an'i Yaveh sy ny fahefany mihitsy. DH: "mba ho mpanompony miavaka" na "mba hanompo ho mpisolotena an'i Yaveh"
Eto ny hoe "izy" dia maneho ireo Levita rehetra. DH: "ireo Levita sy ireo taranany mandrakizay"
Fomba fiteny ity. DH: "maniry mafy" na "tena mila"
Eto ny hoe "anarana" dia maneho an'i Yaveh sy ny fahefany. DH: "dia tsy maintsy manompo an'i Yaveh Andriamaniny tahaka ny mpisorona izy"
"izay manompo ao amin'ilay fitoerana masina amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
Ity no lovan'ny mpisorona avy amin'ny rainy.
Andriamanitra dia mankahala ireo asa ara-pivavahan'ny olona eo amin'ireo firenena manodidina. Raisiny hoe tena ratsy ireo. Eto ny hoe "firenena" dia maneho ireo vahoaka. DH: "aza manao ireo zavatra mahatsiravina izay ataon'ireo vahoaka any amin'ireo firenena hafa"
DH: "tsy tokony hisy olona"
"manao sorona ny zanany amin'ny afo eny amin'ny alitara"
Ireo dia karazan'olona manao ody. Andriamanitra dia nandrara ny karazana ody rehetra. Raha toa ka tsy manana teny ho an'ireo karazan'olona rehetra ireo ianao, dia afaka lazaina amin'ny ankapobeny izany. DH: "izay rehetra manao ody mba hijerena izay hitranga any aoriana, mba hanalàna ozona, na mba hiresahana amin'ireo fanahin'ny olona efa maty"
ny fampiasana ody mba hilazana ny ho avy
Ero ny hoe "azy ireo" dia maneho ny vahoaka izay efa monina ao Kanana.
Eto ny hoe "firenena" dia maneho ireo vondron'olona izay monina any Kanana. DH: "Fa ireo vondron'olona ireo"
"ho afindranareo" na "ho roahinareo"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Yaveh manendry olona iray ho mpaminany dia resahina toy ny hoe hanangana na hanandratra ilay olona Yaveh.
"iray amin'ireo Israelita namanareo"
Ny hoe "ianareo" eto dia maneho ireo Israelita tany amin'ny Tendrombohitra Horeba tamin'ny 40 taona lasa.
"tamin'ny andro niangonanareo niaraka tany Horeba"
DH: "andron'ny fiangonana tamin'ny fotoana nilazanareo fa tsy te-handre ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, na hahita ny afony lehibe intsony, satria natahotra ny ho faty ianareo"
Eto ny hoe "feo" dia maneho an'i Yaveh miteny. DH: "Aoka isika tsy handre an'i Yaveh Andriamanitsika miteny intsony"
Yaveh manendry olona iray mba ho mpaminany dia resahina toy ny hoe hanangana na hanandratra ilay olona Yaveh.
"eo amin'ireo Israelita naman'izy ireo"
Yaveh milaza amin'ny mpaminany izay ho tenenina dia resahina toy ny hoe hametraka teny eo am-bavan'ilay mpaminany Yaveh.
"ho lazainy an'ireo vahoakan'Israely"
Eto ny hoe "teny" dia maneho izay lasain'i Yaveh. Ny hoe "ny anarako" dia maneho an'i Yaveh sy ny fahefany. DH: "tsy mihaino azy izay milaza ny hafatro"
"ho hazoniko tompon'andraikitra izy" na "hanasazy azy." Eto ny hoe "aminy" dia maneho ny olona izay tsy mihaino ny mpaminany.
Mbola manohy miteny Yaveh.
Eto ny hoe "teny" dia maneho hafatra. DH: "izay sahy milaza hafatra"
Eto ny hoe "anarako" dia maneho an'i Yaveh sy ny fahefany mihitsy. DH: "ho Ahy" na "amin'ny fahefako"
Eto ny hoe "teny" dia maneho hafatra. DH: "hafatra izay tsy nandidiko"
Eto ny hoe "anarana" dia maneho ireo andriamanitra na ny fahefan'izy ireo. Izany dia midika fa ilay mpaminany dia milaza fa nilaza taminy mba hiteny hafatra tahaka izany ireo andriamanitra diso.
Eto ny hoe "fo" dia maneho ireo eritreritry ny olona iray. DH: "anontanio ny tenanareo" na "tokony hiteny amin'ny tenanareo ianareo"
"Amin'ny fomba ahoana no hahafantaranay raha avy amin'i Yaveh ny hafatra izay lazain'ilay mpaminany?" Eto ny hoe "izahay" dia meneho ny vahoakan'Israely"
Yaveh manohy miresaka
Eto ny hoe "anaran'i Yaveh" dia maneho an'i Yaveh sy ny fahefany. DH: "mpaminany izay milaza ho miteny ho Ahy" na "mpaminany milaza ho miteny amin'ny fahefako"
"tsy tamin'ny fahefako no nitenenan'ilay mpaminany izany hafatra izany"
1 Rehefa manapaka ireo firenena Yaveh Andriamanitrareo, ireo tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo ho anareo, ary rehefa maka ny tanin'izy ireo ary monina tao amin'ny tanànan'izy ireo sy ny tranon'izy ireo ianareo, 2 dia misafidiana tanàna telo ho an'ny tenanareo eo afovoan'ny taninareo izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ho fananana. 3 Manamboara lalana ary zarao ho telo ny faritaninareo, ny tany izay navelan'i Yaveh Andriamanitrareo ho lovainareo, mba handositra any izay rehetra mamono olon-kafa. 4 Izao no lalàna ho an'ny olona izay mamono olon-kafa ary mandositra hipetraka any: na iza na iza mamono tsinahy ny mpiara-belona aminy, ary tsy nankahala azy teo aloha— 5 toy ny rehefa mankany an'ala miaraka amin'ny mpiara-belona aminy mba hanapaka hazo, ary mikapa ny hazo amin'ny famaky izy, ary miala eny amin'ny tahony ny lohan'ilay famaky ka mahavoakapoka ilay mpiara-belona aminy ka maty izy—dia tsy maintsy mandositra any amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo ary mipetraka any izany lehilahy izany. 6 Raha tsy izany dia mety ho arahin'ny mpamaly rà ilay iray izay hanala ny aina, ary ny firehetan-katezerany no handresy, raha lehibe loatra ny halavirana, kapohy izy ary vonoy izy, na dia tsy mendrika ny ho faty aza izany lehilahy izany, satria tsy nankahala ny mpiara-belona aminy izy tany aloha. 7 Noho izany mandidy anao aho hifidy tanàna telo ho anao. 8 Raha manitatra ny faritaninareo i Yaveh Andriamanitrareo, araka ny efa nianianany tamin'ireo razambenareo fa ho ataony, ary ny tany rehetra izay nampanantenainy fa homena ny razambe anareo; 9 raha tandrovinareo ireo didy rehetra ireo, izay handidiko anareo anio— ireo didy mba hitia an'i Yaveh Andriamanitrareo sy handeha amin'ny lalany mandrakariva, dia tokony hanampy tanàna telo lehibe ho an'ny tenanareo ianareo, ankoatra ireo telo. 10 Ataovy izany mba tsy hisy ràn'olona tsy manan-tsiny hiraraka eo amin'ilay tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo ho anareo ho lova, mba tsy ho meloka amin'ny rà ianareo. 11 Saingy raha misy olona mankahala ny mpiara-belona aminy, manomana tetika hamonoana azy, mitsangana hanohitra azy, ary mandratra azy mba ho faty, ary raha mandositra any amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo izy— 12 dia tsy maintsy maniraka sy maka azy hiverina avy any ireo loholona ao amin'ny tanànany, ary manolotra azy eo an-tanan'ny mpamaly faty, mba ho faty izy. 13 Aoka ny masonareo tsy ampiseho famindram-po aminy; fa kosa, foano tsy ho eo amin'Israely ny famonoana olona tsy manan-tsiny, mba hahasoa anareo. 14 Aza esorina amin'ny mpiara-belona aminareo ny famantaran-tany izay napetrak'izy ireo fotoana maro tany aloha, amin'ny lova izay ho lovainareo, any amin'ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo ho fanananareo. 15 Tsy misy vavolombelona tokana tokony hitsangana hiampanga olona iray amin'ny heloka rehetra, na amin'ny ota rehetra, amin'ny zavatra nanotàny rehetra; fa amin'ny vavan'ny vavolombelona roa, na amin'ny vavan'ny vavolombelona telo, no hanamarinana ny zavatra rehetra. 16 Raha atao hoe misy vavolombelona tsy marina iray mitsangana manohitra olona mba hijoro vavolombelona hiampanga azy amin'ny fanaovan-dratsy. 17 Ary ireo lehilahy roa, izay misy tsy fiombonan-kevitra, dia tsy maintsy mijoro eo anatrehan'i Yaveh, eo anatrehan'ireo mpisorona sy mpitsara izay mpanompo tamin'izany andro izany. 18 Ireo mpitsara dia tokony hanao fanadihadiana lalina; jereo, raha sandoka ny vavolombelona ary raha mijoro vavolombelona tsy marina amin'ny rahalahiny, 19 dia ataovy aminy izay niriany hatao amin'ny rahalahiny; ary hanala ny ratsy eo aminareo ianareo. 20 Ary ireo izay tavela dia handre sy hatahotra, ary tsy hanao zava-dratsy toy izany eo aminareo intsony manomboka eo. 21 Tsy tokony hampiseho famindram-po ny masonareo; ny aina no ho solon'ny aina, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra.
Mbola miresaka amin'ny vahoakan'Israely i Mosesy.
Yaveh mandrava ny vahoaka izay monina any Kanana dia resahina toy ny hoe manapaka azy ireo Izy, tahaka ny iray izay hanapaka sombin'akanjo na hanapaka rantsana eo amin'ny hazo.
Ity dia maneho ireo vondron'olona izay monina any Kanana.
"ireo firenena izay nonina tany amin'ny tany izay homen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo"
"maka ny tany amin'ireo firenena ireo" na "maka fananana ilay tany rehefa lasa ireo firenena"
"misafidiana tanàna 3"
Tokony hamboatra lalana izy ireo mba ho mora amin'ny olona ny handeha ho any amin'ireo firenena ireo.
Izany dia midika fa ny iray amin'ireo firenena izay safidian'izy ireo dia tsy maintsy any amin'ny fizaran'ny tany tsirairay.
Yaveh manome ilay tany ho an'ny vahoakan'Israely dia resahina toy ny hoe olona mandova ilay tany ilay vahoaka.
"Ireto no toromarika" na "ireto no torolalana"
"ary mitsoaka any amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo" na "ary mihazakazaka mankany amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo"
"hamonjena ny ainy." DH: "mba tsy hamono azy mba hamaliana faty ny fianakavian'ilay lehilahy izay maty"
Eto ny hoe "mpiara-belona" dia midika hoe ny olona amin'ny ankapobeny. DH: "na iza na iza olona mamono olon-kafa tsy fanahy iniana"
"fa tsy nankahala ny mpiara-belona aminy talohan'ny namonoany azy." Izany dia midika fa tsy ny nisy antony tokony hamonoany ny mpiara-belona aminy"
Ny mpanoratra dia manome toe-javatra natao peta-kevitra izay ahitana olona iray mamono olon-kafa tsinahy.
miala amin'ny tahony ilay vy eo amin'ny famaky.
Izany dia midika fa nahavoa ka nahafaty ilay mpiara-belona ny loan'ilay famaky.
"any amin'ny iray amin'ireo tanàna mba hamonjena ny ainy." Izany dia midika fa ny fianakavian'ilay lehilahy maty dia miezaka mamaly faty. Ilay lehilahy izay namono azy dia afaka mitsoaka any amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo, ary hiaro azy ny vahoakany any.
Mosesy dia mbola miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Eto ny hoe "rà" dia maneho ilay olona izay maty. Ny "mpamaly rà" dia havana akaikin'ilay olona maty. Io havana io no tompon'andraikitra amin'ny fanasaziana ilay mpamono olona.
Fomba fiteny ity. DH: "ilay iray izay namono an'ilay olona hafa"
Ny olona iray izay tezitra mafy dia resahina toy ny hoe zavatra izay mety ho mafana ny hatezerana. DH: "ary tezitra mafy"
"Ary ny mpamaly rà dia mikapoka sy mamono ilay iray izay namono an'ilay olona hafa"
"na dia tsy mendrika ny ho faty aza izany lehilahy izany satria namono tsinahy an'ilay olona hafa izy fa tsy ny fahavalony, ary tsy nikasa ny handratra ilay lehilahy"
Mosesy dia mbola miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"manome tany misimisy kokoa ho anareo mba ho fananana"
"tahaka ny nampanantenainy an'ireo razambenareo fa ho ataony"
"raha mankato an'ireo didy rehetra ireo ianareo"
Ny fomba fiaina sy fitondratena tian'Andriamanitra hananan'ny olona dia resahina toy ny hoe lalan'i Yaveh izany. Ny olona izay mankato an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lalan'i Yaveh izy. DH: "hankato Azy mandrakariva"
Ny heviitra fenon'ity fehezanteny ity dia afaka atao mazava tsara. DH: "dia tsy maintsy misafidy tanàna telo fanampiny ianareo mba hitsoahan'ny olona iray raha mamono olona tsinahy izy."
"ho fanampin'ireo tanàna telo izay efa napetrakareo"
DH: "Ataovy izany mba tsy hamono olona tsy manan-tsiny ny ao amin'izany fianakaviana izany"
Ny vahoakan'Israely meloka nohon'ny olona iray maty noho izy ireo tsy nanangana tanàna izay hiarovany amin'ireo "mpamaly rà" dia resahina toy ny hoe eo amin'izy ireo ny heloka amin'ny fahafatesany.
Eto ny hoe "rà" dia maneho ny aina ary ny "meloka amin'ny rà" dia maneho ny heloka hananan'ny olona nohon'ny famonoana olona tsy manan-tsiny.
Izany dia midika hoe raha misy isam-pianakaviana mamono olona tsy manan-tsiny, dia ho meloka amin'ny famelàna izany hitranga ny vahoakan'Israely rehetra.
Eto ny hoe "mpiara-belona" dia midika hoe ny olona rehetra amin'ny ankapobeny.
DH: "miafina sy miandry mba hamonoana azy" na "mitetika ny hamono azy"
Fomba fiteny ity. DH: "manafika azy"
"ary mamono azy"
"tsy maintsy maniraka olona haka azy sy hitondra azy hiverina avy amin'ilay tanàna izay nitsoahany"
Fomba fiteny ity. DH: "manome azy"
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ny fahefan'ny olona iray. DH: "eo amin'ny fahefan'ny mpamaly faty" na "eo amin'ny mpamaly faty"
Ilay havan'ilay olona izay maty ity. Ity havana ity dia tompon'andraikitra amin'ny fanasaziana ilay mpamono olona.
"mba ho faty ilay mpamono olona" na "mba hamono an'ilay mpamono olona ilay mpamaly faty"
Eto ny hoe "masonareo" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "Aza mampiseho famindram-po aminy" na "aza malahelo azy"
Eto ny hoe "famonoana olona tsy manan-tsiny" dia maneho ny heloka nohon'ny famonoana olona tsy manan-tsiny. DH: "aoka ho vonoinao ilay mpamono olona mba tsy ho meloka ny amin'ny fahafatesan'olona tsy manan-tsiny i Israely"
Eto ny hoe "Israely" dia maneho ny vahoakan'Israely.
Mosesy dia mbola miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fahezanteny ity feno. DH: "tsy tokony haka tany eo amin'ny mpiara-belona aminareo ianareo amin'ny famindrana ny fari-taniny"
"izay napetrak'ireo razambenareo"
Ny tian'i Mosesy tenenina dia ny hoe rehefa nonina tany amin'ilay tany fotoana maro ny vahoaka, dia tsy tokony hanisaka ny faritra izay nataon'ireo razambeny izy ireo rehefa naka ilay tany voalohany.
Yaveh manolotra ilay tany ho an'ny vahoakan'Israely dia resahina toy ny hoe mandova ilay tany izy ireo. DH: "any amin'ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo ho anareo mba ho fananana"
Mosesy dia mbola miresaka amin'ny vahoakanIsraely.
"vavolombelona iray ihany"
Eto ny hoe "hitsangana" dia midika hoe mijoro eo amin'ny fitsaràna manohitra olona iray eo amin'ny mpitsara. DH: "tsy tokony hiteny amin'ireo mpitsara momban'ny zavatra ratsy izay nataon'ny olona iray"
"amin'ny fotoana rehetra anaovan'ny olona zavatra ratsy"
Eto ny hoe "vava" dia maneho izay amabaran'ireo vavolombelona. Izany dia midika fa tokony hisy vavolombelona roa na telo farafahakeliny. DH: "amin'ny fijoroan'olona roa na telo vavolombelona" na "mifototra amin'izay lazain'ny olona roa na telo fa nitranga"
DH: "no hanamarinanao fa meloka ilay olona"
"vavolombelona izay mikasa handratra olona hafa"
Eto ny hoe "mitsangana" dia midika hoe mijoro ao amin'ny fitsaràna mba hanohitra olona iray amin'ny mpitsara. DH: "milaza amin'ny mpitsara fa nanota ny olona iray mba hanakorontanana an'ilay olona" na "milaza amin'ny mpitsara fa nanota ny olona iray, mba hanasazy azy ilay mpitsara"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"ireo izay tsy mitovy hevitra amin'izy samy izy"
Izany dia midika fa ireo olona roa dia tsy maintsy mankany amin'ilay fitoerana masina izay misy ny fanatrehan'i Yaveh. Any amin'ny fitoerana masina ireo mpisorona sy mpitsara izay manana ny fahefana handray fanapahan-kevitra ara-dalàna ho an'i Yaveh.
Eto ny hoe "mijoro eo anatrehana" dia fomba fiteny. Izany dia midika hoe mankany amin'ny olona manana fahefana ary mamela azy handray fanapahan-kevitra ara-dalàna momban'ny zava-misy iray.
"Ireo mpitsara dia tokony hiasa mafy mba hahafantarana izay nitranga"
"dia sazio amin'ny fomba niriany hanasazianao ilay olona hafa ilay vavolombelona tsy marina"
DH: "amin'ny fanasaziana ilay vavolombelona tsy marina, dia hanajanona izany fanaovan-dratsy izany eo amin'ny firenenareo ianareo"
"rehefa manasazy ny vavolombelona tsy marina, ny sisa tavela amin'ny vahoaka ianareo"
Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fehezanteny ity. DH: "handre momban'ilay fanasaziana ary hatahotra ny ho voasazy"
"tsy hanao zavatra ratsy tahaka izany intsony"
Eto ny hoe "maso" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "tsy tokony hanana famindram-po aminy ianareo" na "tsy tokony hampiseho famindram-po aminy ianareo"
Eto ireo fehezanteny dia nafohezina satria azo ny dikany. Izany dia midika fa ny olona dia tsy maintsy manasazy olona iray amin'ny fomba mitovy amin'izay nandratrany olona hafa.
1 Raha hivoaka hiady amin'ny fahavalonareo ianareo, ka mahita ireo soavaly, ireo kalesy, ary vahoaka maro an'isa noho ianareo, dia aza matahotra azy ireo ianareo; fa miaraka aminareo i Yaveh Andriamanitrareo, Izy izay nitondra anareo niakatra niala ny tany Egypta. 2 Koa rehefa mby ampototry ny ady ianareo, dia tsy maintsy hanatona ny mpisorona ka hiteny amin'ny vahoaka. 3 Dia hilaza amin'izy ireo izy hoe: "Mihainoa, ry Israely, hiady amin'ny fahavalonareo ianareo. Aoka tsy ho reraka ny fonareo. Aza matahotra na mangovitra. Aza matahotra azy ireo. 4 Fa i Yaveh Andriamanitrareo no hiaraka handeha aminareo mba hiady amin'ny fahavalonareo ary mba hamonjy anareo. 5 Dia tsy maintsy hiteny amin'ny vahoaka ireo manam-boninahitra ka hanao hoe: "Misy lehilahy ve ao izay nanao trano vaovao ka mbola tsy nitokana izany? Aoka izy handeha ary hiverina any an-tranony, mba tsy ho faty an'ady izy ka ho lehilahy hafa indray no hitokana izany. 6 Misy lehilahy ve namboly tanim-boaloboka ka mbola tsy nisitraka ny vokatr'izany? Aoka izy hody, mba tsy ho faty an'ady izy ka olon-kafa indray no hisitraka ny vokatr'izany. 7 Misy lehilahy ve ao nifamofo tamim-behivavy nefa tsy mbola nanam-bady azy? Aoka izy hody mba tsy ho faty an'ady ka ho lehilahy hafa indray no hanambady azy." 8 Dia mbola hiteny amin'ny vahoaka hatrany ireo manam-boninahitra hanao hoe: "Misy lehilahy ve ao izay matahotra na reraka am-po? Aoka izy handeha ary hiverina any an-tranony, mba tsy ho ketraka toy ny fony koa ny fon'ny rahalahiny." 9 Koa rehefa avy miteny amin'ny vahoaka ireo manam-boninahitra, dia tsy maintsy manendry mpifehy hitarika azy ireo izy ireo. 10 Rehefa mandeha mba hanafika tanàna ianareo, dia manaova tolo-pihavanana amin'ireo vahoaka ireo. 11 Raha manaiky ny tolotrareo sy manokatra ny vavahadiny ho anareo izy ireo, dia ho tonga andevonareo sy hanompo anareo ny olona rehetra izay hita ao. 12 Fa raha tsy manao tolo-pihavanana aminareo izany, fa hamaky ady aminareo kosa, dia tsy maintsy ataonareo fahirano izany, 13 ary rehefa manome fandresena anareo Yaveh Andriamanitrareo ka mametraka azy ireo eo ambany fifehezanareo, dia tsy maintsy vonoinareo ny lehilahy rehetra ao amin'ilay tanàna 14 Fa ny vehivavy kosa, ireo zaza madinika, ny biby fiompy, sy izay rehetra ao amin'ilay tanàna, ary ny hareny rehetra, dia ho alainareo ho babo ho anareo izany. Dia hihinana ny babon'ireo fahavalonareo ianareo, izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo. 15 Izany no fomba tsy maintsy ataonareo amin'ireo tanàna rehetra izay tena lavitra anareo, dia ireo tanàna tsy avy amin'ireto tanàn'ireto firenena manaraka ireto. 16 Ao amin'ny tanànan'ireo olona izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ho lovaina ireo, dia tsy azonareo asiana velona izay mety ho manam-pofon'aina. 17 Fa kosa, tsy maintsy ravànareo tanteraka izy ireo: ny Hetita, sy ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita, araka izay nandidin'i Yaveh Andriamanitrareo anareo. 18 Ataovy izany mba tsy hampianaran'izy ireo anareo hanao ireo fomba fahavetavetany, araka izay nataon'izy ireo tamin'ireo andriamaniny. Raha manao izany ianareo, dia hanota amin'i Yaveh Andriamanitrareo. 19 Rehefa ela no hanaovanareo fahirano tanàna iray, raha miady aminy ianareo mba hahazoana azy, dia tsy azonareo kapaina amin'ny famaky ireo hazony. Satria afaka mihinana avy amin'ireo ianareo, izany no tsy hahazoanareo manjera azy ireo. Fa olona ve ny hazo ao an-tsaha no tokony ataonareo fahirano? 20 Ireo hazo izay fantatrareo fa tsy hazo fihinana ihany, no azonareo simbaina sy azera; hanangana fahirano manohitra an'ilay tanàna izay miady aminareo ianareo, mandra-paharavan'izany.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"Rehefa mandeha mivoaka hiady any an'ady hanohitra an'ireo fahavalonareo ianareo"
Ny olona dia nandray ny tafika iray manana soavaly sy kalesy maro ho matanjaka. Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fehezanteny ity feno.
Yaveh dia nitondra ny vahoaka avy tao Egypta ho any Kanana. Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "miakatra" mba handehoana ny dia avy ao Egypta mankany Kanana. DH: "Yaveh izay nitarika anareo hivoaka ny tanin'i Egypta"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"hiteny amin'ireo miaramilan'Israely"
Ireo fomba fiteny efatra ireo dia samy mitovy hevitra avokoa ary manamafy tsara fa tsy tokony hatahotra izy ireo. Raha toa ny fiteninao tsy manana fomba efatra hilazana io foto-kevitra io, dia afaka mampiasa latsaky ny efatra ianao.
Eto ny hoe "fo" dia maneho ny herim-pon'ny olona. Satria ny hoe fo reraka dia fomba fiteny izay midika hoe "aza matahotra."
Yaveh mandresy ireo fahavalon'ny vahoakan'Israely dia resahina toy ny hoe mpiady izay hiady miaraka amin'ny vahoakan'Israely i Yaveh.
"mba hanome fandresena anareo"
Mosesy milaza izay tokony ho lazain'ireo manam-boninahitry ny tafika amin'ny vahoakan'Iaraely mialohan'ny ady.
Iray amin'ireo asan'ny manam-boninahitra ny manapa-kevitra hoe iza no afaka miala ao amin'ny tafika. Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fehezanteny ity.
"Raha misy miaramila eto nanorina trano vaovao ka tsy nitokana izany, dia aoka izy hiverina any an-tranony"
Mamaritra toe-javatra izay mety hitranga amin'ny miaramila iray ilay manam-boninahitra. DH: "mba raha toa ka maty any an'ady izy, dia tsy hisy lehilahy hafa hitokana ny tranony raha tokony ho izy"
Mosesy manohy mamaritra ireo toe-javatra izay mamela ny lehilahy iray handao ny miaramiala.
"Raha misy miaramila eto manana tanim-boaloboka vaovao, nefa tsy mbola nioty ny voalobony, dia aoka izy hiverina any an-tranony"
Mamaritra toe-javatra izay mety hitranga amin'ny miaramila iray ilay manam-boninahitra. DH: "mba raha toa ka maty any an'ady izy, dia tsy hisy lehilahy hafa hioty ny vokatr'izany raha tokony ho izy"
"Raha misy miaramila eto nampanantena ny hanambady vehivavy iray, nefa tsy mbola nanambady azy izy, dia aoka izy hiverina any an-tranony"
Mamaritra toe-javatra izay mety hitranga amin'ny miaramila iray ilay manam-boninahitra. DH: "mba raha toa ka maty any an'ady izy, dia tsy hisy lehilahy hafa haka vady azy raha tokony ho izy"
Mosesy manohy mamaritra ireo toe-javatra izay mamela ny lehilahy iray handao ny miaramila.
"Raha misy miaramila eto matahotra sy tsy be herim-po, dia aoka izy hiverina any an-tranony"
Manana dika mitovy ireo roa ireo. DH: "matahotra ny hiady any an'ady"
Fomba fiteny ity. DH: "mba tsy hisy Israelita hafa lasa matahotra toa azy"
Eto ny hoe "fo" dia maneho ny herim-pon'olona iray.
"tsy maintsy manendry olona ho mpifehy sy mpitarika ny vahoakn'Israely ireo manam-boninahitra"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Eto ny hoe "tanàna" dia maneho ny vahoaka. DH: "Rehefa mandeha manafika ny vahoakan'ny tanàna iray ianareo"
"omeo fahafahana hilefitra ny vahoaka ao amin'ilay tanàna"
Eto ny hoe "vavahady" dia maneho ny vavahadin'ialy tanàna. Ny fehezanteny hoe "manokatra ny varavarany ho anareo" dia maneho ny vahoaka milefitra sy mamela ireo Israelita mba hiditra ao amin'ny tanànan'izy ireo. DH: "mamela anareo hiditra am-pilaminana ao amin'ny tanànan'izy ireo"
DH: "ny olona rehetra ao amin'ilay tanàna"
Eto ny hoe "izany" dia maneho an'ilay tanàna izay misolotena an'ireo vahoaka. DH: "Fa raha tsy milefitra ny olona ao amin'ilay tanàna" na "Fa raha tsy manaiky ny tolo-pihavananareo ny olona oa amin'ilay tanàna"
"ny ankizy"
"ireo zavatra manan-danja rehetra"
Izany dia ireo zavatra manan-danja izay alain'ny vahoaka izay mandresy ady amin'ireo vahoaka izay notafihan'izy ireo.
Eto ny hoe "tanàna" dia maneho ny vahoaka. DH: "ny olona rehetra izay monina ao amin'ireo tanàna"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Ireo tanàna ao Kanana izay omen'i Yaveh ny vahoaka dia resahina toy ny hoe ireo tanàna no lovan'ireo vahoaka.
"tsy tokony avelanareo ho velona izay zava-manan'aina rehetra." DH: "tsy maintsy vonoinareo avokoa ny zava-manan'aina rehetra"
"tsy maintsy ravainareo tanteraka ireo vondron'olona ireo"
"ravao ireo firenena ireo mba"
"hanao fomba vetaveta tahaka ny nataon'ny olon'ireo firenena hafa ireo tamin'ny andriamanitr'izy ireo"
"Raha manao tahaka ireo olona ireo ianareo, dia hanota amin'i Yaveh Andriamanitrareo"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"miady an'ady"
Ity fanontaniana fampisainana ity dia mampatsiahy ny olona amin'izay tokony efa fantatr'izy ireo. DH: "Fa ny vokatry ny hazo dia tsy olona, koa tsy fahavalonareo ireo."
"izay fantatrareo fa tsy hazo mamokatra voa hohanina"
Ireo dia fitaovana sy rafitra, toy ny tohatra sy tilikambo, izay ilaina hametrahana fahirano eo amin'ny tanàna.
Fomba fiteny ity. DH: "mandra-paharesin'ny vahoaka ao amin'ilay tanàna"
Eto ny hoe "izany" dia maneho ilay tanàna izay maneho ny vahoakan'ilay tanàna.
1 Raha misy olona hita faty ao amin'ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo ho fananana, mandry eo amin'ny saha, ary tsy fantatra izay nanafika azy; 2 dia tsy maintsy mandeha mivoaka ireo loholonareo sy ireo mpitsaranareo, ary tsy maintsy mandrefy ireo tanàna izay manodidina an'ilay olona novonoina izy ireo. 3 Ary ireo loholon'ny tanàn-dehibe izay akaikin'ny fatin'ilay olona dia tsy maintsy maka ombivavikely avy amin'ny andian'omby, anankiray izay tsy mbola nampiasaina mihitsy, ary tsy nisy zioga. 4 Avy eo dia tsy maintsy roasin'izy ireo midina amin'ny lohasaha misy rano mandeha ilay ombivavikely, lohasaha izay tsy mbola nasaina tamin'ny angadin'omby na nambolena, ary eo amin'ny lohasaha izy ireo no tsy maintsy manolana ny tendan'ilay ombivavikely. 5 Ireo mpisorona, taranak'i Levy, dia tsy maintsy manatona akaiky; satria izy ireo no nosafidin'i Yaveh Andriamanitrao hanompo Azy sy hitahy ny olona amin'ny anaran'i Yaveh; henoy ireo tolo-kevitr'izy ireo, satria ny tenin'izy ireo dia ho didim-pitsaràna amin'ny fifamaliana rehetra sy amin'ny fandratrana. 6 Ireo loholon'ny tanàna rehetra izay akaikin'ilay olona novonoina dia tsy maintsy manasa ny tanan'izy ireo eo amin'ilay ombivavikely izay voaolana teo amin'ny lohasaha ny tendany; 7 ary tsy maintsy mamaly ny zava-misy izy ireo ka miteny hoe: "Ny tananay dia tsy nandatsaka ny ràny, ary tsy nahita izany ny masonay. 8 Mamelà ny vahoaka Israelinao, izay efa navotanao, ry Yaveh, ary aza atao meloka amin'ny fandatsahan-drà olona tsy manan-tsiny ny vahoaka Israelinao." Dia ho avela heloka amin'ny fandatsahan-drà izy ireo. 9 Amin'izany fomba izany no hanesoranao ny rà tsy manan-tsiny eo anivonao, rehefa manao izay marina eo imason'i Yaveh ianao. 10 Rehefa mandeha mivoaka hiady hanohitra ireo fahavalonao ianao ary Yaveh Andriamanitrao manome fandresena anao sy manao azy ireo ho eo ambany fahefanao, ary mihazona azy ireo ho babo ianao, 11 raha mahita vehivavy tsara tarehy eo amin'izy ireo ianao, ary manam-paniriana aminy ka maniry ny haka azy ho vadinao, 12 dia ho entinao any an-tranonao izy; hanaratra ny lohany izy ary hanapaka ny hohony. 13 Ary hanala ny akanjo izay nanaovany tamin'izy babo izy ka hijanona ao amin'ny tranonao ary hisaona ny rainy sy ny reniny mandritry ny iray volana. Rehefa avy miara-mandry aminy ianao ary lasa vadiny, dia ho vadinao izy. 14 Fa raha tsy mahazo fahafinaretana aminy ianao, dia hamela azy handeha any amin'izay iriany aleha. Fa tsy azonao atao ny mivarotra azy ho fahazoam-bola, ary tsy azonao atao ny mitondra azy tahaka ny andevo, satria efa nanala baraka azy ianao. 15 Raha manana vady roa ny lehilahy iray ary ny iray dia tiana fa ny iray ankahalaina, ka samy niteraka zaza ho azy avokoa ireo roa ireo—ilay vady tiana sy ilay vady ankahalaina—raha avy amin'ilay ankahalaina ny lahimatoa, 16 amin'ny andro izay hampandovan'ilay lehilahy izay hananany an'ireo zanany, dia tsy tokony hanao ny zanak'ilay vady tiana ho lahimatoa alohan'ny zanak'ilay vady ankahalaina izy, ilay zanaka izay lahimatoa ankehitriny. 17 Fa kosa, tsy maintsy miaiky izay lahimatoa izy, dia ilay zanaky ny vady ankahalaina, amin'ny alalan'ny fanomezana azy anjaran-droa amin'izay fananany rehetra; satria io zanaka io no fiandohan'ny tanjany; ka azy ny fizokiana. 18 Raha misy lehilahy iray manana zanaka mafy loha sy mpikomy izay tsy hankato ny feon'ny rainy na ny feon'ny reniny, ary izay, na dia ahitsin'izy ireo aza izy, dia tsy hihaino azy ireo; 19 dia tsy maintsy manery azy sy mitondra azy mivoaka mankany amin'ireo loholon'ny tanànany sy any am-bavahadin'ny tanànany ny rainy sy ny reniny. 20 Tsy maintsy miteny amin'ireo loholon'ny tanànany izy ireo hoe: "Ity zanakay ity dia mafy loha sy mpikomy; tsy hankato ny feonay izy; tendan-kanina sy mpimamo izy." 21 Dia tsy maintsy mitora-bato azy ho faty avokoa ny olon-drehetran'ny tanànany; ary ianao dia hanala ny ratsy eo aminao. Ny Israely rehetra dia handre izany ka hatahotra. 22 Raha nanao fahotana mendrika fahafatesana ny olona iray ary vonoina izy, ka haraviravinao eny amin'ny hazo, 23 dia tsy azo ajanona eo amin'ny hazo mandritry ny alina tontolo mihitsy ny fatiny. Fa kosa, tsy maintsy alevinao amin'io andro io ihany izy; satria na iza na iza naraviravy dia voahozon'Andriamanitra. Ankatoavy ny didiny mba tsy handoto ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao ho lova ianao.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
DH: "raha misy olona mahita olona izay novonoin'ny olona hafa"
mandry eo amin'ny saha ilay olona maty.
DH: "ary tsy misy mahafantatra izay nanafika azy"
"tsy maintsy mandrefy ny halavirana mankany amin'ireo tanàna izy ireo"
DH: "ilay novonoin'ny olona" na "ilay razana"
"tsy nitondra zioga"
Fomba fiteny ity hilazana ny rano izay misosa. DH: "riaka"
DH: "lohasaha izay tsy mbola nisy olona niasa ilay tany tamin'ny angady na namboly voa"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"manatona an'ilay lohasaha"
"satria ireo mpisorona no nosafidian'i Yaveh Andriamanitrareo mba hanompo Azy"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia ianao no ampiasaina
"hitahy ny vahoakan'Israely"
Eto ny sarinteny hoe "amin'ny anaran'i Yaveh" dia maneho an'i Yaveh sy ny fahefany. DH: "tahaka ny iray izay miteny sy manao izay mety ho lazain'i Yaveh sy hataony"
"henoy izay lazain'ireo mpisorona"
Eto ny sarinteny hoe "tenin'izy ireo" dia maneho izay lazain'ireo mpisorona. DH: "satria na inona na inona lazain'ireo mpisorona, dia izany no ho fanapahan-kevitra"
"isakin'ny misy olona any amin'ny fitsaràna satria tsy miombon-kevitra izy ireo na misy olona mandratra olona iray hafa"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
DH: "ilay ombivavikely izay naolan'ireo mpisorona ny tendany"
"ary tsy maintsy mijoro vavolombelona amin'i Yaveh momban'izany zava-misy izany izy ireo"
Eto ny hoe "tanana" dia entina hilazana ilay olona mihitsy ary ny hoe "nandatsaka ny ràny" dia sarinteny amin'ny famonoana olona tsy manan-tsiny. DH: "tsy namono ity olona tsy manan-tsiny ity izahay"
Eto ny hoe "maso" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "ary tsy nahita olona namono ity olona ity izahay"
Mosesy manohy milaza amin'ireo loholona ny amin'izay tokony lazain'izy ireo rehefa manasa ny tanany eo amin'ilay ombivavikely izy ireo. Izy dia niresaka tamin'izy ireo toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Yaveh manavotra ny vahoakan'Israely amin'ny fanandevozana dia resahina toy ny hoe nandoa vola Yaveh mba hanavotana ny vahoakany amin'ny fanandevozana.
Fomba fiteny ity. DH: "ary aza atao toy ny hoe meloka amin'ny famonoana olona tsy manan-tsiny ny Israely vahoakanao"
DH: "Avy eo Yaveh hamela ny Israely vahoakany tamin'ny fahafatesan'olona tsy manan-tsiny"
"tsy ho meloka amin'ny famonoana olona tsy manan-tsiny intsony ianao"
Ny teny hoe "eo imason'i Yaveh" dia sarinteny ho an'ny hoe "izay eritreretin'i Yaveh ho marina"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe miresaka amin'ny olona iray izy, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"ianareo miaramila rehafa manadeha mivoaka"
Mampiasà fomba mihaja ho an'ny hoe "te-hiara-mandry aminy ianao"
"maniry ny hamabady azy"
"hanaratra ny volon-dohany izy"
"hanapaka ny hohon-tanany"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe miresaka amin'ny olona iray ihany izy, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Hanao izany izy aorian'ny hitondran'ilay lehilahy azy any an-tranony sy rehefa manaratra ny lohany sy manapaka ny hohon-tanany sy hohon-tongony araka izay voalaza tao amin'ny 21:10 izy. Afaka adika mazava tsara ny hevitr'ity fehezanteny ity feno. DH: "hanala ny akanjon'ny vahoakany izy ary hanao ny akanjo Israelita"
DH: "tamin'ny ianoa naka azy ho babo"
"iray volana feno" na "volana iray manontolo"
Mety mila manazava tsara ianao fa niara-nandry tamin'ilay vehivavy ilay lehilahy. DH: "Fa raha miara-mandry aminy ianao ary manapa-kevitra fa tsy mila azy ho vadinao"
"hamela azy handeha any amin'izay tiany aleha"
"satria ianao nanala baraka azy tamin'ny fiarahana mandry taminy ary avy eo namela azy handeha"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
DH: Ireo mety hi heviny dia 1) "ary ilay lehilahy dia tia ny iray amin'ireo vadiny ary mankahala ireo vady hafa" na 2) "ary ilay lehilahy dia tia vady iray mihoatra noho ny hitiavany ilay vady iray hafa"
"ary samy nahazo zaza taminy ireo vady roa"
DH: "raha an'ilay vady izay ankahalain'ilay lehilahy ny voaloan-teraka lahy"
"rehefa"
"hanomezan'ilay lehilahy ny fananany ho an'ny zanany lahy ho lova"
"tsy tokony hitondra ny zanaka lahin'ilay vady tiana toy ny hoe izy no lahimatoa raha tokony ho ny zanaka lahin'ilay vady hankahalaina"
"avo roa heny"
Fomba fiteny ity. DH: "izany zanaka lahy izany no mampiseho fa ilay lehilahy dia afaka ny ho rain'ireo zazalahy"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Eto ny hoe "feo" dia sarinteny ho an'izay tenenin'ny olona iray. DH: "izay tsy hankato izay lazain'ny rainy na ny reniny"
"sazian'izy ireo amin'ny fanaovany ratsy izy" na "manofana sy manoro lalana azy izy ireo"
"tsy maintsy manery azy hivoaka"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"ity zanakay lahy ity"
Eto ny hoe "feo" dia sarinteny hilazana izay lazain'ny olona iray na hanehoana ilay olona mihitsy. DH: "tsy hanao izay asainay ataony izy" na "tsy hankato anay izy"
olona izay mihinana sy misotro be loatra
olona izay misotro toaka be loatra ary mamo matetika.
"mitora-bato azy mandra-pahafaty azy"
DH: "tsy maintsy esorinao eo aminao ireo olona Israelita izay manao izany zavatra ratsy izany" na "tsy maintsy vonoinao izany olon-dratsy izany"
Ny teny hoe "Israely" dia sarinteny ho an'ny vahoakan'Israely. DH: "ny vahoakan''Israely rehetra"
Afaka atao mazava tsara ny dikan'ity fehezanteny ity. DH: "handre momban'izay nitranga tamin'ilay zanaka lahy ka hatahotra sao hanasazy azy ireo ihany koa ny vahoaka"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe miresaka amin'ny olona iray ihany izy, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"raha nanao zavatra tena ratsy ny olona iray ka mila manasazy azy amin'ny famonoana azy ianao"
DH: "mamono azy ianao"
Ireo mety ho heviny 1) "ary rehefa maty izy dia hahantonao eny amin'ny hazo" na "ka vonoinao izy amin'ny fanantonana azy eny amin'ny hazo"
"alevinao amin'ilay andro namonoanao azy izy"
DH: ireo mety ho heviny dia 1) "satria Andriamanitra manozona an'izay rehetra haraviravin'ny olona eny amin'ny hazo" ary 2) "haraviravin'ny olona eny amin'ny hazo ireo izay nozonin'Andriamanitra."
amin'ny famelana zavatra izay nozonin' Andriamanitra hiantona eny amin'ny hazo.
1 Tsy tokony hiambina ny ombin'ireo Israelita namanao ianao na ny ondriny mandeha amin'ny lalan-diso ka manafina ny tenanao amin'ireo; tsy maintsy ampodinao aminy ireo. 2 Raha tsy akaiky anao ireo Israelita namanao, na raha tsy mahafantatra azy ianao, dia tsy maintsy mitondra ilay biby any an-tranonao ianao, ary tsy maintsy miaraka aminao izany mandra-pitadiavany azy, ary avy eo dia tsy maintsy ampodinao any aminy izany. 3 Tokony manao tahaka izany amin'ny apondrany ianao; tokony manao tahaka izany amin'ny fitafiany ianao; ary tokony manao tahaka izany amin'ireo zavatry ny Israelita namanao very rehetra ihany koa ianao, ny zavany izay very ka hitanao; tsy tokony manafina ny tenanao ianao. 4 Tsy tokony mijery ny apondran'ny Israelita namanao na ny ombiny mianjera amin'ny lalana ka manafina ny tenanao amin'izy ireo ianao; tokony manampy izany hiarina indray ianao. 5 Tsy tokony hitafy fitafian-dehilahy ireo vehivavy, ary tsy tokony manao fitafiam-behivavy ireo lehilahy; fa na iza na iza manao ireo zavatra ireo dia fanevatevana an'i Yaveh Andriamanitrareo izany. 6 Raha misy akanim-borona miseho eo anoloanao eny an-dalana, eny amin'ny hazo rehetra na eny amin'ny tany, miaraka amin'ny zanany na atody ao aminy, ary ilay reniny mipetraka eo amin'ny zanany na eo amin'ireo atody, dia tsy tokony haka ilay reny miaraka amin'ilay zanany ianao. 7 Tokony hamela ilay reny handeha ianao, fa ilay zanany dia afaka alainao ho anao. Mankatoava izany baiko izany mba ho lavorary aminao izany, ary mba hahalava ny andronao. 8 Rehefa manorina trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina ny tafonao mba tsy hitondranao rà ao an-tranonao raha misy olona mianjera avy eo amin'izany. 9 Tsy tokony hamboly ny tanim-boalobokao miaraka amin'ny karazana voa roa ianao, mba tsy ho alain'ny toerana masina ny vokatra rehetra, ireo voa izay nafafinao ary ny vokatry ny tanim-boaloboka. 10 Aza miasa tany amin'ny omby sy apondra indray miaraka ianao. 11 Aza mitafy lamba vita tamin'ny volon'ondry sy rongony miaraka. 12 Manamboara somotr'aviavy eo amin'ny zorony efatra amin'ny akanjo lava izay anaovanao. 13 Raha misy lehilahy iray maka vady, miara-mandry aminy, ary avy eo mankahala azy, 14 sy manendrikendrika azy amin'ny zavatra mahamenatra ary manao ratsy laza azy, sy milaza hoe: 'Naka izany vehivavy izany aho, fa rehefa nanatona akaiky azy aho, dia tsy nahita porofo amin'ny maha virijiny azy.' 15 Dia tsy maintsy maka porofo ny amin'ny maha-virjiny azy ho an'ireo loholona ao amin'ny vavahadin'ny tanàna ny ray sy renin'ilay vehivavy. 16 Ny rain'ilay vehivavy dia tsy maintsy milaza amin'ireo loholona hoe: 'Nanome ny zanako vavy ho vadin'izany lehilahy izany aho, ka nankahala azy izy. 17 Indro, nanendrikendrika azy tamin'ny zava-mahamenatra izy, ary nilaza hoe: "Tsy hitako tao amin'ny zanakareo vavy ny porofon'ny maha virjiny azy." Kanefa ity ny porofo amin'ny maha virijiny ny zanako vavy.' Avy eo izy ireo dia hamelatra ny fitafiany eo anatrehan'ireo loholon'ny tanàna. 18 Tokony haka io lehilahy io ireo loholon'ny tanàna ary hanasazy azy, 19 ary tokony hampanonitra azy sekela volafotsy zato izy ireo, ary hanome izany ho an'ny rain'ilay vehivavy, satria nanao ratsy laza tamin'ny virijinin'Israely iray ilay lehilahy. Tsy maintsy ho vadiny izy; ary tsy afaka ny hisaraka aminy izy mandritry ny androny rehetra. 20 Fa raha marina izany zavatra izany, fa ilay porofo maha-virijiny dia tsy hita tao amin'ilay vehivavy, 21 dia tsy maintsy hitondra an'ilay vehivavy any amin'ny varavaran'ny tranon'ilay ray izy ireo, ary ireo lehilahy any amin'ny tanàna dia tsy maintsy hitora-bato azy ho faty, satria nanao zavatra maharikoriko tany Israely izy, tamin'ny fanaovana fihetsika toy ny vehivavy janga tao an-tranon-drainy; ary hanala ny ratsy eo aminareo ianareo. 22 Raha misy lehilahy tratra niara-nandry tamin'ny vehivavy iray izay manambady lehilahy iray hafa, dia tsy maintsy ho faty izy roa, ilay lehilahy izay niara-nandry tamin'ilay vehivavy sy ilay vehivavy mihitsy; dia hanala ilay ratsy eo aminao ianao. 23 Raha misy vehivavy virijiny iray, mivady amin'ny lehilahy iray, ary lehilahy iray hafa mahatratra azy ao amin'ny tanàna ka miara mandry aminy, 24 dia alaivo ho any amin'ny vavahadin'ny tanàna izy roa, ka torahy vato ho faty. Tsy maintsy mitoraka ilay vehivavy ianao, satria tsy nitomany izy, na dia tao amin'ny tanàna aza. Tsy maintsy mitoraka ilay lehilahy ianao, satria nandika ny vadin'ny mpiara-belona aminy izy; ary hanala ny ratsy eo aminao ianao. 25 Fa raha tratran-dralehilahy eny an-tsaha ilay vehivavy efa fofombadin'olona, ka raha azoniny izy ary miara-mandry aminy, dia ilay lehilahy izay miara-mandry aminy ihany no tsy maintsy ho faty. 26 Fa ilay vehivavy tsy hanaovanao na inona na inona; tsy misy heloka mendrika fahafatesana ao amin'ilay vehivavy. Fa izany tranga izany dia toy ny lehilahy iray manafika ny mpiara-belona aminy sy mamono azy. 27 Fa hitany tany an-tsaha izy; nihiaka mafy ilay vehivavy fofombadin'olona, kanefa tsy nisy olona afaka namonjy az. 28 Raha misy lehilahy mahatratra vehivavy virijiny iray nefa tsy mbola fofombadin'olona, ary raha hazoniny sy miara-mandry aminy izy, ka raha tratra izy ireo, 29 dia tsy maintsy manome sekely volafotsy dimampolo amin'ny rain'ilay vehivavy ilay lehilahy niara-nandry taminy, ary tsy maintsy lasa vadiny ilay vehivavy, satria nanala baraka azy izy. Tsy tokony hisaraka aminy izy mandritry ny androny rehetra. 30 Tsy tokony maka ny vadin-drainy ho azy manokana ny lehilahy iray; tsy tokony maka ny zon'ny fanambadin'ny rainy izy.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"manalavitra ny tompony"
Fomba fiteny ity. DH: "manao toy ny hoe tsy mahita azy ireo ianao" na "miala tsy manao na inona na inona"
"raha mipetraka lavitra anao ireo Israelita namanao"
"na raha tsy mahafantatra izay tompon'ilay biby ianao"
"ary tsy maintsy hazoninao miaraka aminao ilay biby mandra-pahatongan'ilay tompony hitady izany"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"Tokony averinao tahaka izany ihany koa ny apondrany"
"tokony averinao tahaka izany ihany koa ny akanjony"
Fomba fiteny ity. DH: "ianao dia tsy tokony hanao toy ny hoe tsy hitanao izy hoe nanary zavatra" na "tsy tokony handeha tsy manao na inona na inona ianao"
"tokony manampy ilay Israelita namanao mba hanarina ilay biby ianao"
Miteny amin'ny vahoakan'Israely i Mosesy.
"akanjon-dehilahy"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
trano izay ataon'ny vorona ho an'ny tenan'izy ireo amin'ny alalan'ny tapa-kazo, ahitra, zavamaniry, sy fotaka.
"miaraka amin'ny zana-boro-manidina na atody ao amin'ilay akany"
"ary ilay reni-vorona mipetraka eo amin'ny zana-borona"
Ny andro lava dia sarinteny ho an'ny hoe lava andro iainana. DH: "afaka hiaina fotoana ela." Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 4:25 ireo teny ireo.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
fefy iva manodidina an'ilay tafo mba tsy hianjera avy eny amin'ny tafo ny olona.
Ny rà dia famantarana ny fahafatesana. DH: "mba tsy ho hadisoan'ny ankohonanao raha maty ny olona iray"
"raha misy olona mianjera avy eny amin'ilay tafo satria nanao aro-fanina ianao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ny teny hoe "toerana masina" dia sarinteny hilazana ireo mpisorona izay miasa ao amin'ilay toerana masina. DH: "mba tsy ho alain'ireo mpisorona ao amin'ny toerana masin'i Yaveh ny vokatra rehetra" na "mba tsy handoto ny vokatra rehetra ianao ka tsy avelan'ireo mpisorona hampiasa izany"
"ary ny voankazo izay maniry eo amin'ny tanim-boaloboka"
volo malefaka, olioly izay eo amin'ny ondry.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ireo dia zavatra izay afatotra miaraka ary hahantona isakin'ny faran'ny zoron'ilay akanjo. lava
akanjo lava izay anaovan'ny olona ivelan'ny akanjony hafa.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israey.
"ary miapanga azy ho niara-nandry tamin'olona talohan'ny nanambadiany"
DH: "manao ny olona hafa hieritreritra fa olon- dratsy izy"
Ity dia fomba mihaja hilazana ny hoe "nanao firaisana ara-nofo tamin'olona." DH: "fa rehefa niara-nandry taminy aho"
DH: "tsy afaka nanaporofo tamiko izy hoe virijiny izy"
Mosesy dia mbola miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
DH: "tsy maintsy maka zavatra izay manaporofo fa virijiny izy"
Mosesy mbola miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fehezanteny ity. DH: "nanendrikendrika azy ho niara-nandry tamin'olona izy talohan'ny nanambadiany azy"
DH: "tsy afaka manaporofo ny zanakao vavy hoe virijiny izy"
DH: "Kanefa ity dia manaporofo fa virijny ny zanako vavy"
Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fehezanteny ity. DH: "Avy eo ilay reny sy ray hampiseho ilay akanjo misy tasin-drà amin'ireo loholona ho porofo fa virijiny izy"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"tokony hampandoa vola azy ho sazy"
"sekela 100"
"ary hanome ilay vola ho an'ny rain'ilay vehivavy"
DH: "nampahatonga ny olona hieritreritra fa ny virijinin'Israely dia olon-dratsy"
"tsy hamela azy hisara-bady aminy mihitsy"
Fomba fiteny ity. DH: "mandritry ny androm-piainany manontolo"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"fa raha marina izany" na "fa raha marina ny lazain'ilay lehilahy"
DH: "fa tsy nahita porofo ilay lehilahy fa virijiny ilay vehivavy"
DH: "zavatra izay manaporofo fa virijiny ilay vehivavy"
"dia tsy maintsy hitondra an'ilay vehivavy ireo loholona"
"hanipy vato any aminy mandra-pahafaty azy"
DH: "tsy maintsy esorinareo eo amin'ireo Israelita ilay olona izay nanao izany zavatra ratsy izany" na "tsy maintsy vonoinareo izany olon-dratsy izany"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
DH: "Raha misy olona mahatratra lehilahy"
"amin'izany fomba izany no hanalanao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"izay nampanantenaina hanambady lehilahy iray"
"dia tsy maintsy alainareo ilay vehivavy sy ilay lehilahy izay niara-nandry taminy"
"satria tsy niantso vonjy izy"
Ireo Israelita tamin'izany fotoana izay dia nieritreritra ny lehilahy sy vehivavy izay nifamofo ho amin'ny fanambadiana hoe mpivady. Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fehezanteny ity. DH: "satria izy niara-nandry tamin'ny vehivavy izay an'olona Israelita namana iray"
DH: "aoka esorinao eo amin'ireo Israelita ilay olona izay manao izany zavatra ratsy izany" na "aoka ho vonoinao izany olona ratsy izany"
Izany dia midika hoe vehivavy iray izay nanaiky azy hanambady lehilahy iray ny ray aman-dreniny, fa tsy mbola nanambady azy ilay vehivavy.
"dia ilay lehilahy izay niara-nandry taminy ihany no tsy maintsy vonoinao"
"tsy mila manasazy azy amin'ny famonoana azy tamin'izay nataony ianao"
"satria izany tranga izany dia tahaka ny tranga iray rehefa misy olona manafika olona hafa ary mamono azy"
"fa hitan'ilay lehilahy niasa teny an-tsaha ilay vehivavy"
"nefa tsy mbola nampanantenain'ny ray aman-dreniny lehilahy hafa ho vadiany"
DH: "raha misy olona mahafantatra izay nitranga"
Ny sekely iray dia milanja iraika ambinny folo grama. DH: "singam-bolafotsy dimampolo" na "folafotsy 550 grama"
Fomba fiteny ity. DH: "Tsy mahazo misaraka amin-dravehivavy mihitsy izy mandritry ny androm-piainany manontolo"
Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fehezanteny ity. DH: "tsy tokony hanambady ny vadin-drainy teo aloha, na dia tsy reniny aza ilay vehivavy"
1 Tsy misy lehilahy naratra tamin'ny fanesorana na fanapahana ny filahiany afaka hiditra ao amin'ny fiangonan'i Yaveh. 2 Tsy misy zazasary afaka ho isan'ny fiangonan'i Yaveh; ka hatrany amin'ny taranaka fara-mandimbiny fahafolo, tsy hisy ho isan'ny fikambanan'i Yaveh izy ireo. 3 Ny Amonita sy Moabita dia tsy ho isan'ny fiangonan'i Yaveh; ka hatrany amin'ny taranaka fara-mandimbiny fahafolo, tsy hisy ho isan'ny fiangonan'i Yaveh izy ireo. 4 Izany dia satria tsy nitsena anareo tamin'ny mofo sy rano teny amin'ny lalana nivoahanareo avy tany Egypta izy ireo, ary satria nanakarama an'i Balama zanaka lahin'i Beora avy any Petora any Arama Naharaima hanoherana anao izy ireo, mba hanozona anao. 5 Fa Yaveh Andriamanitrao dia tsy hihaino an'i Balama; fa kosa, navadik'i Yaveh ho fitahiana ho anao ilay ozona, satria tian'i Yaveh Andriamanitrao ianao. 6 Tsy tokony hitady ny fiadanana na fanambinan'izy ireo mihitsy ianao, mandritry ny androm-piainanao rehetra. 7 Tsy tokony hankahala Edomita ianao, satria rahalahinao izy; tsy tokony hankahala Egyptiana ianao, satria vahiny tany amin'ny taniny ianao. 8 Ireo taranaka avy amin'ny taranaka fahatelo izay naterak'izy ireo dia mety ho anisan'ny fiangonan'i Yaveh. 9 Raha mandeha tahaka ny tafika manohitra an'ireo fahavalonao ianao, dia tokony hitandrina ny tenanao amin'ny zavatra ratsy rehetra. 10 Raha misy lehilahy tsy madio noho izay nitranga taminy ny alina eo aminao, dia tokony hivoaka ao amin'ny tobin'ny tafika izy; tsy mahazo miverina ao amin'ny toby intsony izy. 11 Rehefa tonga ny hariva, dia tokony hanasa ny tenany amin'ny rano izy; rehefa milentika ny masoandro, dia hiverina ao amin'ny toby izy. 12 Tokony hanana toerana any ivelan'ny toby ihany koa ianao izay handehananao; 13 ary hanana zavatra ao amin'ny fitaovam-piasanao ianao mba handavahana; rehefa mitingitingina manao maloto ianao, dia tokony handavaka amin'izany ary avy eo mamerina ny tany ka manototra izay nivoaka avy tao aminao. 14 Satria i Yaveh Andriamanitrao dia mandeha eny afovoan'ny tobinao mba hanome fandresena ho anao sy hanolotra ireo fahavalonao aminao. Noho izany dia tokony ho masina ny tobinao, mba tsy hahitany zavatra tsy madio eo aminao ka hivadika aminao. 15 Ny andevo izay nitsoaka avy any amin'ny tompony dia tsy tokony haverina any aminy. 16 Avelao izy hipetraka hiaraka aminao, na aiza na aiza tanàna fidiany. Aza ampahoriana izy. 17 Tsy tokony hisy mpijangajanga amin'ny fanompoan-tsampy eo amin'ireo zanaka vavin'Israely, na koa hisy mpijangajanga amin'ny fanompoan-tsampy eo amin'ireo zanaka lahin'Israely. 18 Ireo karaman'ny mpivaro-tena na karaman'alika dia tsy tokony entinao miditra ao an-tranon'i Yaveh Andriamanitrao mba hanatanterahana voady; satria samy fahavetavetana amin'i Yaveh Andriamanitrao ireo. 19 Tsy tokony haka tombony amin'ireo Israelita namanao ianao rehefa mampindrana—tombony amin'ny vola, tombony amin'ny sakafo, tombony amin'ny na inona na inona nampindramina hakàna tombony. 20 Mety hampindrana hakàna tombony ianao amin'ny vahiny; fa amin'ireo Israelita namanao dia tsy tokony hampindrana hakàna tombony ianao, mba hitahian'i Yaveh anao amin'izay rehetra hametrahanao tanana, ao amin'ny tany izay ho lasa fanananao. 21 Rehefa manao voady amin'i Yaveh Andriamanitrao ianao, dia tsy tokony hiraikiraiky amin'ny fanatanterahana izany, satria azo antoka fa ho takian'i Yaveh Andriamanitrao aminao izany; ho fahotana ho anao ny tsy fanatanterahana izany. 22 Fa raha hanindry fo ianao amin'ny fanaovana voady, dia tsy ho fahotana ho anao izany. 23 Ny teny izay naloaky ny vavanao dia tandrovy ary tanteraho; arak'izay voady nataonao tamin'i Yaveh Andriamanitrao, na inona na inona nampanantenainao maimaimpoana tamin'ny vavanao. 24 Rehefa mankany amin'ny tanim-boaloboky ny mpiara-belona aminao ianao, dia mety hihinana voaloboka maro araka izay irinao, fa aza manisy ao anaty haronao. 25 Rehefa mandeha mankany amin'ny tanimbarin'ny mpiara-belona aminao ianao, dia mety hioty salohim-bary amin'ny tananao, fa aza ametrahana antsy fijinjàna ny salohim-barin'ny mpiara-belona aminao.
"lelilahy izay notapahan'ny olona ny faritra saro-pady amin'ny vatany"
Fomba fiteny ity. DH: "afaka ny ho mpikambana feno ao amin'ny fiarahamonina Israelita"
Ireo mety ho heviny dia 1) zaza izay nateraky ny ray aman-dreny nanao firaisana tamin'ny olom-pady na fijanganjangana na 2) zaza izay nateraky ny mpijangajanga.
DH: "na dia aorian'ny taranaka fahafolon'ireo dimbin'ilay zazasary aza"
"tsy hisy amin'ireo taranaka ireo"
Fomba fiteny ity. DH: "tsy ho mpikambana feno ao amin'ny fiarahamonina Israelita.
DH: "na dia aorian'ny taranaka fahafolon'ireo taranany aza"
Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fehezanteny ity. DH: "tsy nandray anao tamin'ny fitondrana sakafo sy zava-pisotro ho anao izy ireo"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
Fomba fiteny ity. DH: "tsy nifantoka"
"nitahy anao fa tsy nanozona anao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "tsy tokony hanao fifanarahana fihavanana amin'ireo Amonita sy ireo Moabita mihitsy ianao" na 2) "tsy tokony hanao na inona na inona izay mahatonga zavatra handeha tsara ho an'ireo vondron'olona 2 ireo mba hanambinana azy ireo ianao"
Fomba fiteny ity. DH: "raha mbola firenena koa ianao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
"Aza mankahala Edomita"
"satria havanao izy"
"Aza mankahala Egyptiana"
Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fehezanteny ity. DH: "Raha misy Edomita na Egyptiana tonga hipetraka ao amin'ny fiarahamonina Israelita, dia ho tonga mpikambana feno ao amin'izany fiarahamonina izany ireo zafikeliny.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
"mba hiady amin'ireo fahavalonao"
"hitandrina ny tenanao lavitra an'ireo zavatra ratsy rehetra"
Ity dia fomba mihaja hilazana fa namoaka tsirinaina izy. DH: "lehilahy izay maloto satria namoaka tsirinaina raha resin-tory izy"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
"ary tokony hanana fitaovana izay afaka ampiasainao handavahana ianao"
Fomba mihaja ity hilazana hoe mamoaka maloto. DH: "rehefa mitingitingina hamoaka maloto ianao"
"hanao lavaka amin'ny alalan'ilay fitaovana"
"hanototra ny dikinao"
"mba tsy hahitan'i Yaveh zavatra maloto eo aminao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fehezanteny ity. DH: "ny andevo avy any amin'ny firenena hafa izay nitsoaka avy any amin'ny tompony ka tonga ao Israely"
"Avelao ilay andevo hiaina eo amin'ny vahoakanao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
Yaveh dia manome lisitra feno amin'ireo karazana fijangajangana eo amin'ny lehilahy sy vehivavy mba handraràna ny fijangajangana ataon'ny olona amin'ny tsy misy antony.
"ny vehivavy izay mahazo vola amin'ny maha-mpivaro-tena dia tsy tokony hitondra izany vola izany ... ao an-trano"
lehilahy izay mamela lehilahy hiray ara-nofo aminy ho takalo vola.
"ao amin'ny tempoly"
ny karaman'ny vehivavy mpivaro-tena sy ny an'ny lehilahy mpivaro-tena.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
"raha mampindrana zavatra amin'Israelita namanao ianao, dia tsy tokony hampamerina azy aminao mihoatra noho izay nindraminy ianao"
mapindrana amin'olona sy manery izany olona izany hamerina mihoatra noho izay nindramina
"tsy tokony haka tombony ianao rehefa mapindrana vola, sakafo, na zavatra hafa amin'ny olona"
Fomba fiteny ity. DH: "izay rehetra ataonao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
"tsy tokony haka fotoana ela hanatanterahana ilay voady"
"satria Yaveh Andriamanitraoo dia hanome tsiny anao sy hanasazy anao raha tsy manatanteraka ny voadinao ianao"
Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fehezanteny ity. DH: "Fa, raha tsy manao voady ianao, dia tsy hanota satria tsy hanana voady ho tanterahana ianao"
Fomba fiteny ity. DH: "ireo teny izay nolazainao"
"na inona na inona nataonao voady tamin'i Yaveh Andriamanitrao fa ho ataonao"
"na inona na inona ren'izany vahoaka izany fa nampanantenainao ho atao satria naniry hanao izany ianao"
"ka ren'ny olona niteny izany ianao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
"dia hankafy ny fihinanana voaloboka mandra-pahavokinao"
Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fehezanteny ity. DH: "fa aza manisy voaloboka ao anaty haronao mba ho entina hanaraka anao"
"rehefa mandeha mankany amin'ny sahan'ny mpiara-belona aminao izay misy voa maniry"
"dia mety hihinana ireo voam-bary amin'ny tananao"
"fa aza jinjaina sy entina miaraka aminao ny vary masakin'ny mpiara-belona aminao"
fitaovana maranitra izay ampiasain'ny mpamboly mba hijinjàna vary
1 Raha misy lehilahy maka vady ka manambady azy, ary raha tsy mahita sitraka eo imasony ravehivavy satria nahita zavatra tsy nety taminy izy, dia tsy maintsy manoratra taratasy fanamarinana fisaraham-panambadiana aminy izy, apetrao eo am-pelatanany izany ary roahy ao an-tranony izy. 2 Rehefa niala tao amin'ny tranony izy, dia afaka mandeha sy ho vadin'ny lehilahy hafa. 3 Raha mankahala azy ilay vadiny faharoa ka hanoratra taratasy fanamarinana fisaraham-panambadiana, dia apetraho eo am-pelatanany izany, ary roahy ao an-tranony izy; na raha maty ilay vadiny faharoa, ilay lehilahy izay naka azy ho vady— 4 dia afaka tsy maka vady azy intsony ilay vadiny teo aloha, izay voalohany nandroaka azy, rehefa voaloto izy; satria ho fahavetavetana amin'i Yaveh izany. Aza manao izay mahatonga ny tany ho meloka ianao, dia ilay tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao ho lova. 5 Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy tokony handeha an'ady miaraka amin'ny tafika izy, na baikoina handeha hanao asa an-terivozona; ho afaka hipetraka ao ao an-tranony mandritry ny herin-taona ary hampifaly ny vadiny izay nampakariny izy. 6 Tsy misy lehilahy maka fikosoham-bary na ny vatony ambony ho antoka, satria izany dia maka ny ain'olona ho antoka. 7 Raha misy lehilahy tratra maka an-keriny ny iray amin'ireo rahalahiny izay eo amin'ny vahoakan' Israely, sy manao azy ho toy ny andevo ary hivarotra azy, dia tsy maintsy ho faty izany mpangalatra izany; ary hanafaka ny ratsy eo aminao ianao. 8 Mitandrema amin'ny areti-mandringan'ny habokana, mba hahafahanao manara-maso tsara sy manaraka ny toromarika rehetra izay nomena anareo sy izay nampianarin'ireo mpisorona, ireo Levita anareo; araka ny nandidiako azy ireo, ka ho arahinareo. 9 Tsarovy ny nataon'i Yaveh Andriamanitrao tamin'i Miriama rehefa avy tany Egypta ianareo. 10 Rehefa mampisambo-javatra ny mpiara-belona aminao ianao, dia aza miditra ao an-tranony mba haka ny antokany. 11 Hijoro ao ivelany ianao, ary ilay lehilahy izay nampindraminao dia hitondra ilay antoka hivoaka eo aminao. 12 Raha lehilahy mahantra izy, aza entina matory ho fanananao ny antokany. 13 Fa tsy maintsy averinao any aminy ilay antoka amin'ny fotoana hilentehan'ny masoandro, mba hahafahany matory ao anaty lambany ary hitahiany anao; ho fahamarinana ho anao eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao izany. 14 Aza mampahory ny mpanompo nokaramaina izay mahantra sy ao anatin'ny tsy fahampiana, na zanak'ireo Israelita namanao, na ireo vahiny izay ao amin'ny tany izay ao am-bavahadin'ny tanànanao; 15 omeo azy isan'andro ny karamany; aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany, satria mahantra izy ary miandrandra izany. Ataovy izany mba tsy hitarainany any amin'i Yaveh ny aminao, ary mba tsy ho fahotana ho anao izany. 16 Ny ray aman-dreny dia tsy tokony ho vonoina noho ireo zanany, na ny zanaka ho vonoina noho ireo ray aman-dreniny. Fa kosa, ny tsirairay avy dia tsy maintsy vonoina nohon'ny fahotany manokana. 17 Tsy tokony hampiasa hery ianao mba hanalana ny rariny amin'ny vahiny na ny kamboty, na haka ny lamban'ny mpitondratena ho antoka. 18 Fa kosa, tsarovy fa ianao dia andevo tany Egypta, ary Yaveh Andriamanitrao no namonjy anao tany. Noho izany mananatra anao hankatoa izany didy izany aho. 19 Raha mijinja ny vokatrao any amin'ny sahanao ianao, ary raha nanadino amboara iray tany an-tsaha, dia aza miverina maka izany; avelao ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty ary ho an'ny mpitondratena izany, mba hitahian'i Yaveh Andiamanitrao anao amn'ny asan'ny tananao rehetra. 20 Rehefa manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza mamerina mitsimpona ireo eny amin'ny sampany intsony; ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty, ary ho an'ny mpitondratena izany. 21 Rehefa manangona ny voaloboka eny amin'ny tanim-boalobokao ianao, dia aza mitsimpona izany intsony. Fa izay sisa tavela dia ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty, ary ho an'ny mpitondratena. 22 Tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao; noho izany mananatra anao hankato izany didy izany aho.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Ny teny hoe "maka vady" sy "manambady azy" dia mitovy hevitra. DH: "raha misy lehilahy iray manambady vehivavy iray"
Eto ny hoe "eo imasony" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "raha manapa-kevitra ralehilahy fa tsy tia azy"
"satria nohon'ny antony sasantsasany dia nanapa-kevitra ilay lehilahy fa tsy te-hihazona azy"
"tsy maintsy manome taratasy ara-dalàna ho an'ny vadiny ilay lehilahy milaza fa tsy mpivady intsony izy ireo"
"afaka mandeha ravehivavy ary hanambady lehilahy hafa"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely momban'ny vehivavy iray izay misara-panambadiana ary manambady lehilahy hafa.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
"raha toa ilay vady faharoa manapa-kevitra fa mankahala ilay vehivavy"
Ity dia taratasy ara-dalàna izay milaza fa tsy mpivady intsony ilay vehivavy sy ilay lehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 24:1 ity.
"omeo an'ilay vehivavy izany"
"ilay lehilahy faharoa izay nanambady an-dravehivavy"
Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fanambarana ity. DH: "rehefa voaloto tamin'ilay fisaraham-panambadiana sy fanambadiana lehilahy hafa indray izy"
Ilay tany dia resahina toy ny hoe mety ho fahotana izany. DH: "aza manaparitaka heloka manodidina an'ilay tany"
Mosesy mbola miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"raha misy lehilahy vao vita mariazy tamin'ny vehivavy iray"
DH: "tsy tokony hisy olona hanery azy hipetraka lavitry ny tranony sy handeha hanao ny karazan'asa rehetra"
fitaovana fanaovana lafarinina amin'ny alalan'ny fitotoana ilay vary eo anelanelan'ny vato fisaka mavesatra anankiroa.
ilay vato fisaka eo ambony amin'ny fikosoham-bary.
Ny teny hoe "aina" dia sarinteny ho an'izay ilain'ny olona iray mba hahavelona ny tenany. DH: "satria ho alainy amin'ilay lehilahy izay ilainy hanaovana sakafo ho an'ny fianakaviany"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
Fomba fiteny ity ho an'ny hoe "raha misy lehilahy maka an-keriny." DH: "Raha mahita lehilahy maka an-keriny ianao"
mampiasa tanjaka ara-batana mba hakàna olona tsy manan-tsiny lavitry ny tranony ary managadra azy
"iray amin'ireo Israelita namany"
"dia tokony ho vonoin'ireo Israelita hafa izany mpangalatra izany ho sazin'izay nataony"
DH: "dia tsy maintsy hanala ilay olona izay manao izany zavatra ratsy izany eo amin'ireo Israelita ianao" na "dia tsy maintsy vonoinao izany olon-dratsy izany"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Mosesy eto dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"mitandrema raha mijalin'ny habokana ianao" na "mitandrema raha misy habokana ianao"
DH: "ireo toromarika rehetra izay nomeko anareo sy izay nampianarin'ireo mpisorona, izay Levita anareo mba hatao"
Mosesy eto dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe vondrona, noho izany dia "ianareo" no ampiasaina.
"tsy maintsy maka antoka ianareo fa hanao izay nandidiko azy ireo"
Ny teny hoe "izy ireo" dia maneho ireo mpisorona, izay Levita.
Fomba fiteny ity. DH: "tadidio"
"nandritry ny fotoana nialanareo tao Egypta"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"Rehefa mampindrana zavatra amin'ny mpiara-belona aminao ianao"
Ity dia sarinteny ho an'ny hoe "izay nampanantenainy fa homeny anao raha toa tsy namerina ilay nindramina izy"
"tokony miandry ao ivelan'ny tranony ianao"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"aza hazonina amin'ny alina ny lambany"
Ity dia sarinteny ho an'ny hoe "izay nampanantenainy fa homeny anao raha toa tsy namerina ilay nindramina izy." Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 24:10 ity.
"haverinao aminy izay nomeny anao mba hampisehoana fa hamerina ilay nindramina izy"
Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fanambarana ity. DH: "mba hanana ny lambany izy mba hampafana azy rehefa matory, ary ho feno fankasitrahana anao izy"
lamba na akanjo hafa izay mihazona ny olona hafana amin'ny alina. Mety ho ilay "antoka" izay noresahan'i Mosesy tao amin'ny 24:10 ity.
"Yaveh Andriamanitrao dia hankato ny fomba niatrehanao ity tranga ity"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"aza mampijaly mpanompo nokaramaina zara raha"
olona izay karamaina isan'andro amin'ny asany.
Manana dika mitovy ireo ary manamafy fa olona izay tsy afaka manampy ny tenany io.
Eto ny hoe "vavahadin'ny tanàna" dia midika hoe tanàna. DH: "ao amin'ny iray amin'ireo tanànanao"
"tokony omenao an'ilay lehilahy ny vola azony isan'andro"
Fomba fiteny ity. Ireo Israelita dia mandray ny andro vaovao ho manomboka rehefa milentika ny masoandro. DH: "tokony omenao an'ilay olona amin'ny andro anaovany an'ilay asa ny karamany"
Afaka atao mazava tsara ny dikan'ity. DH: "satria mahantra izy ary miankina amin'ireo karamany mba hividianana ny sakafony ho an'ny ampitso"
"mba tsy hiantsoany an'i Yaveh ka hangataka Azy mba hanasazy anao"
DH: "tsy tokony hamono ireo ray aman-dreny nohon'ny zavatra ratsy izay nataon'ny iray tamin'ireo zanany ianao"
DH: "ary tsy tokony hamono ilay zanaka nohon'ny zavatra ratsy nataon'ny ray aman-drenin'izy ireo ianao"
DH: "tokony nohon'ny zavatra ratsy izay nataon'ny tenany ihany no hamonoanao olona iray"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Mosesy dia miresaka ny rariny toy ny hoe zavatra izay afaka esorin'ny olona matanjaka amin'ny olona malemy izany. DH: "tsy tokony hitondra tsy ara-drariny ny vahiny na ny kamboty ianao"
Ity dia maneho ireo zaza izay efa maty ny ray aman-dreniny ary tsy manana havana mba hikarakara azy ireo.
Ny mpampinadrana dia haka zavatra amin'ilay mpindrana mba hahazoana antoka fa hamerina aminy izy. Tsy navela haka ny lambany izy satria nilainy mba hanafàna azy izany. Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fanambarana ity. DH: "ary aza maka ny lamban'ilay mpitondratena ho antoka satria ilainy mba hampafana azy izany"
Fomba fiteny ity. DH: "tadidio"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"rehefa mijinja ny vary eny an-tsahanao ianao"
vary izay hafatotry ny mpijinja hiaraka.
DH: "tokony avelanao ilay amboara mba ho alain'ny vahiny, kamboty, na mpitondratena"
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "amin'ny asa rehetra izay ataonao"
DH: "Rehefa manintsana ireo sampan'ny hazo olivanao ianao, mahatonga ireo oliva hihintsana eny amin'ny tany mba hahafahanao mitsimpona ireo"
"aza mioty ny oliva tsirairay rehetra eny amin'ny hazo"
DH: "ireo oliva izay mijanona eny amin'ireo sampany dia natao ho an'ireo vahiny, kamboty, ary ireo mpitondratena mba ho alaina sy ho entin'izy ireo"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"ny voaloboka izay tsy otazanao dia ho an'ny vahiny, ny kamboty, ary ny mpitondratena mba hotazana."
Ireo dia maneho vondron'olona. DH: "ho an'ireo vahiny, ho an'ireo izay kamboty, na ho an'ireo mpitondratena"
Fomba fiteny ity. DH: "tadidio"
1 Raha misy fifamaliana eo amin'ireo lehilahy ka mankany amin'ny fitsarana izy ireo, ary tsarain'ireo mpitsara izy ireo, dia ho afahan'izy ireo madiodio ilay marina ary ho melohina ilay ratsy fanahy. 2 Raha mendrika ny ho kapohina ilay meloka, dia ho ampandrian'ilay mpitsara izy ary ho kapohina eo anatrehany miaraka amin'ny isan'ny kapoka voatondro, araka ny helony. 3 Mety hanome kapoka efa-polo azy ny mpitsara, saingy tsy afaka mihoatra an'io isa io izy; satria raha manome mihoatra io isa io izy ka mikapoka azy bebe kokoa, dia ho afa-baraka eo imasonareo ireo Israelita namanareo. 4 Aza manakombona ny vavan'ny omby rehefa mively vary izy. 5 Raha misy mpirahalahy miara-mipetraka ary maty ny iray amin'izy ireo, ka tsy nanan-janaka lahy, dia tsy mahazo manambady olona ivelan'ny fianakaviana ny vadin'ilay lehilahy maty. Fa kosa, tsy maintsy miara-mandry aminy ny zaodahiny ka maka vady azy, ary manao ny adidy amin'ny maha-zaodahy azy. 6 Izany dia mba hahombiazan'ilay teraka voalohany izay nentiny tao an-kibony amin'ny anaran'ilay rahalahin'io lehilahy io izay maty, mba tsy ho levona ao Israely ny anarany. 7 Fa raha tsy manam-paniriana ny haka ny vadin'ny rahalahiny ho azy ilay lehilahy, dia tsy maintsy mankany amin'ny vavahady any amin'ireo loholona ny vadin'ny rahalahiny ary miteny hoe: 'Ny zaodahiko dia mandà ny hanome anarana ho an'ny rahalahiny eto Israely; tsy hanao ny adidin'ny zaodahy amiko izy.' 8 Avy eo ireo loholona eo an-tanànany tsy maintsy miantso azy ary hiresaka aminy. Fa raha atao hoe mihizingizina izy ary miteny hoe: 'Tsy manam-paniriana haka azy aho.' 9 Avy eo ny zaodahiny tsy maintsy manatona azy eo anatrehan'ireo loholona, manala ny kapa eny an-tongony, ary mandrora eny amin'ny tarehiny. Tsy maintsy mamaly azy izy ary miteny hoe: 'Toy izany no atao amin'ny lehilahy izay tsy manorina ny tranon'ny rahalahiny.' 10 Ny anarany dia ho antsoina ao Israely hoe: 'Ny tranon'ilay nesorina ny kapany.' 11 Raha miady ireo lehilahy, ary tonga ny vadin'ny iray mba hanavotra ny vadiny eny an-tanan'izay namely azy, ary raha maninjitra ny tanany ka mandray azy any amin'ny filahiny izy, 12 dia tsy maintsy tapahinao ny tanany; tsy tokony hanana famindram-po ny masonao. 13 Tsy tokony hanana vatomizana samihafa ianao ao anaty kitaponao, ilay kely sy lehibe. 14 Tsy tokony hanana fandrefesana samihafa ianao ao an-tranonao, ilay kely sy lehibe. 15 Vatomizana tonga lafatra sy marina no tokony hanananao; fandrefesana tonga lafatra sy marina no tokony hanananao, mba ho lava ny andronao ao amin'ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao anao. 16 Fa ireo rehetra izay manao zavatra toy izany, ny rehetra izay manao fihetsika tsy am-pahamarinana, dia fahavetavetana eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao. 17 Tadidio izay nataon'i Amalekita anao teny an-dalana raha nivoaka an'i Egypta ianareo, 18 ny fomba nihaonany taminao teny an-dalana sy ny nanafihany ny sasany taminao avy tao aoriana, ireo rehetra izay osa taorianao, rehefa reraka sy sasatra ianao; tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy. 19 Noho izany, rehefa nomen'i Yaveh Andriamanitrao fitsaharana tamin'ireo fahavalo nanodidina anao ianao, tao amin'ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao anao mba ho lova, dia tsy tokony hadinoinao fa tsy maintsy mamono ny fahatsiarovana an'ireo Amelekita eo ambany lanitra ianao.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
DH: "raha toa ny mpitsara manome baiko azy ireo mba hikapoka ilay lehilahy meloka"
DH: "hijery azy ireo mikapoka azy izy"
"ny isan'ny kapoka nolazainy nohon'ny asa ratsy nataony"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"mety hiteny ilay mpitsara fa tokony hikapoka ilay olona meloka in-40 izy ireo"
"saingy tsy afaka hibaiko azy ireo mba hikapoka azy mihoatry ny 40 isa ny mpitsara"
"satria raha mibaiko azy ireo mba hikapoka azy mihoatry ny 40 isa ny mpitsara"
DH: "dia hanala baraka ny Israelita namanareo eo anoloan'ny vahoakan'Israely rehetra ny mpitsara"
Eto ny hoe "eo imasonareo" dia maneho izay hitan'izy ireo. DH: "afa-baraka, ary ho hitanareo rehetra izany." Misy teny mitovitovy hita ao amin'ny 1:7.
"aza asiana zavatra eo amin'ny vavan'ny omby"
rehefa manasaraka ny vary amin'ny akofa izy amin'ny alalan'ny fandehanana eo amin'izany na fitaritarihana hazo mavesatra eo amin'izany.
Mbola miresaka amin'ny vahoakan'Israely i Mosesy.
Ireo mety ho heviny dia 1) "raha misy mpirahalahy miara-mipetraka eo amin'ny fananana iray ihany" na "raha misy mpirahalahy mifanakaiky toerana ipetrahana."
DH: "dia tsy tokony hamela an'ilay mpitondratena hanambady olona hafa ny fianakavian'ilay lehilahy maty"
"ary manao izay tokony ataon'ny rahalahin'ilay lehilahy maty"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fehezanteny ity. DH: "tsy maintsy mandeha miakatra mankeny amin'ny vavahadin'ny tanàna izay itsàran'ireo loholona mpitsara"
Eto ny hoe "anarana" dia maneho ny fahatsiarovana ny olona iray amin'ny taranany. DH: "mandà ny hanome zanaka lahy ho an'ny rahalahiny"
"tsy hanao izay tokony ho ataon'ny zaodahy sy hanambady ahy izy"
"Tsy maniry ny hanambady azy aho"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"tsy maintsy mandeha manakaiky azy miaraka amin'ireo loholona izay mijery eo"
Eto ny hoe "trano" dia sarinteny ho an'ny hoe fianakaviana. DH: "izay tsy manome zanaka lahy ho an'ny rahalahiny ary tsy manohy ny filaharan'ny fianakavian'ny rahalahiny"
"Ny vahoaka ao Israely dia hahafantatra ny fianakaviany amin'ny hoe"
Eto ny fanalana kapa dia manamarika fa tsy handray ny fananan'ny rahalahiny maty ilay lehilahy. Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fanambarana ity. DH: "Ny tranon'ilay iray izay nesorin'ny mpitondratenan'ny rahalahiny teny an-tongony ny kapany" na "Ny fianakavian'ilay lehilahy izay tsy nanambady ny vadin'ilay rahalahiny maty" na "Ny fianakaviana izay ataon'ny olona rehetra tsinontsinona" na "Ilay fianakaviana izay mahamenatra"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ny hery na fahefana. DH: "mba tsy hamely azy indray ilay iray izay namely azy" na "amin'ilay lehilahy izay mamely azy"
Eto ny hoe "maso" dia midika hoe ilay olona mihitsy. DH: "tsy tokony halahelo azy ianao" na "tsy tokony hampiseho famindram-po aminy ianao"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fehezanteny ity. DH: "tsy tokony hamitaka olona amin'ny fampiasana vatomizana izay lehibe kokoa noho izay lazainao fa izy ianao rehefa mividy zavatra ary amin'ny fampiasana vatomizana kely kokoa noho izany lazainao fa izy rehefa mivarotra zavatra ianao"
Ny vatomizana dia vato nampiasaina teo amin'ny mizana mba hahafantarana ny lanjan'ny zavatra iray.
Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fehezanteny ity. DH: "tsy tokony hamitaka olona ianao amin'ny alalan'ny fampiasana fandrefesana izay lehibe kokoa noho izay lazainao fa izy rehefa mividy zavatra ianao ary amin'ny fampiasana fandrefesana kely kokoa noho izay lazainao fa izy rehefa mivarotra zavatra ianao"
Ny fandrefesana dia harona na zavatra fitahirizan-javatra hafa mba handrefesana ny habetsakin'ny zavatra ao.
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely momban'ny fampiasana vatomizana sy fandrefesana ara-drariny rehefa mividy sy mivarotra. Izy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"marina sy ara-drariny"
Adikao toy ny tao amin'ny 25:13 ireo teny ireo.
Fomba fiteny ity. DH: "mba hiaina fotoana lava ianao"
"satria ny rehetra izay mamitaka olona amin'ny fampiasana vatomizana sy fandrefesana manana halehibe samihafa"
Mosesy dia miresaka amin'rieo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany ankoatr'izay hamarinina dia "ianao" no ampiasaina.
Fomba fiteny ity, ary ny ny hoe "Amalekita" dia sarinteny ho an'ny vahoaka Amalekita. DH: "Tsarovy izay nataon'ireo Amalekita taminao"
"Ianareo eto no ampiasaina"
"sy ny nanafihany ireo tamin'ny olonao izay tany aorian'ny filaharana"
"ny olona rehetra izay reraka tany aorian'ny filaharana"
Manana dika mitovy ireo teny ireo ary manamafy ny harerahan'ny olona.
Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fehezanteny ity. DH: "tsy natahotra ny sazin' Andriamanitra izy" na "tsy nanaja an'Andriamanitra izy"
"tsy maintsy mamono ireo Amalekita rehetra ianao mba tsy hisy hahatsiaro azy ireo intsony"
1 Rehefa tonga any amin'ny tany izay homen'i Yaveh Andriamanitrao ho lovanao ianao, ary rehefa lasanao sy honenanao izany, 2 tsy maintsy alainao ny sasany amin'ny voaloham-bokatra rehetra eo amin'ilay tany izay nitondrana anao teo amin'ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao. Tsy maintsy hataonao ao anaty harona izany ary handeha any amin'ny toerana izay nosafidin'Yaveh Andriamanitrao ho fitoerany masina ianao. 3 Tsy maintsy mandeha any amin'ny mpisorona izay hanompo amin'ireo andro ireo ianao, ary hiteny aminy hoe: 'Miaiky an'i Yaveh Andriamanitrao aho ankehitriny fa izaho dia avy amin'ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razantsika mba homena antsika.' 4 Tsy maintsy halain'ny mpisorona eo an-tananao ilay harona ary hapetrany manoloan'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrao. 5 Tsy maintsy miteny eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ianao hoe: 'Syrianina mienjienjy ny razambeko. Nandeha nidina tany Egypta izy ary nijanona tany, ary vitsy an'isa ireo vahoakany. Tany no nahatonga azy ho lehibe, nahery, ary firenena be mponina. 6 Ratsy fitondrana sy nampahory antsika ireo Egyptiana. Nampanaoviny ny asan'ireo andevo isika. 7 Nitaraina tamin'i Yaveh, Ilay Andriamanitr'ireo razantsika isika, ary henony ny feontsika ary hitany ny fahoriantsika, ny asantsika, ary ny fijaliantsika. 8 Nentin'i Yaveh nivoaka avy tany Egypta tamin'ny tanana mahery isika, tamin'ny faninjirana sandry, sy tamin'ny fampitahorana lehibe, tamin'ny famantarana, ary tamin'ny fahagagana; 9 ary Izy nitondra antsika tamin'ity toerana ity sy nanome antsika ity tany ity, dia tany izay tondra-dronono sy tantely. 10 Indro ankehitriny, mitondra ny voaloham-bokatry ny tany izay nomenao, Yaveh, ahy aho. 'Tsy maintsy hapetrakao eo ambany manoloana an'i Yaveh Andriamanitrao izany ary manaova fanompoam-pivavahana eo anoloany; 11 ary ianao dia tsy maintsy miravoravo amin'izay zava-tsoa rehetra nataon'i Yaveh Andriamanitrao taminao, tamin'ny ankohonanao—ianao, sy ny Levita, ary ireo mpivahiny eo aminao 12 Rehefa avy manolotra ny ampahafolon'ny vokatrao rehetra tamin'ny taona fahatelo ianao, izay, taonan'ny ampahafolon-karena, dia tsy maintsy homenao ho an'ny Levita izany, ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty, sy ho an'ny mpitondratena, mba hahafahan'izy ireo mihinana ao anatin'ny vavahadin'ny tanànanao ka ho voky. 13 Tsy maintsy milaza eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrao ianao hoe: 'Nentiko nivoaka ny tranoko ireo zavatra izay an'i Yaveh, ary nomeko ny Levita, ny mpivahiny, ny tsy manan-dray, sy ny mpitondra tena, araka ny didinao rehetra izay nomenao ahy. Tsy nisy nodikaiko ireo didinao, na nohadinoiko ireo. 14 Tsy nihinana tamin'izany aho nandritry ny fisaonako, na nataoko teny ho eny tamin'ny andron'ny fahalotoko, na nomeko ho fahan-kanina hanajana ny maty. Nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitro aho; nankatoaviko avokoa izay rehetra nandidianao ahy mba hataoko. 15 Mijere ambany avy eny amin'ny toerana masina izay hitoeranao, avy eny an-danitra, ary tahio ireo Israely vahoakanao, sy ilay tany izay nomenao anay, araka izay nianiananao tamin'ireo razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely.' 16 Anio Yaveh Andriamanitrao dia mandidy anao mba hankato ireo lalàna sy didy ireo; noho izany dia hitandrina azy ireo ianao ary hanaraka izany amin'ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo. 17 Nanao fanambarana ianao androany fa Yaveh dia Andriamanitrao, ka handeha amin'ny lalany ianao ary hitandrina ireo fitsipiny, ireo didiny, sy ireo lalàny, ary hiaino ny feony ianao. 18 Anio Yaveh dia manao fanambarana fa ianao dia vahoaka izay Azy manokana, araka izay nampanantenainy anao, ary ianao dia natao hitandrina ireo didiny rehetra, 19 ary ho hataony ho ambony noho ireo firenena hafa rehetra izay nataony ianao, ary ianao dia hahazo dera, laza, ary voninahitra. Ho vahoaka voatokana ho an'i Yaveh Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy."
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ity no fiantombohan'ny fanambarana izay tokony ataon'ny Israelita rehefa mitondra ny harony.
Ity dia maneho an'i Jakoba, izay razamben'ny Israelita rehetra. Niaina taona maro tany Arama Nahairama, faritra any Syria izy.
"ary nipetraka tany nandritry ny andro sisa niainany"
Ny teny hoe "izy" dia sarinteny ho an'ireo taranak'i Jakoba.
Mitovy hevitra ireo teny ireo. Manamafy ireo fa lasa firenena lehibe sy natanjaka i Israely. DH: "tena lehibe"
Ity dia manohy izay tokony lazain'ny Israelita rehefa mitondra ny voaloham-bokany any amin'i Yaveh izy.
Milaza zavatra mitovy ireo amin'ny ankapobeny. Manamafy ireo fa nanao fihetsika tena masiaka ireo Egyptiana.
Eto ny hoe "antsika" dia maneho ny vahoakan'Israely izay nipetraka tany Egypta. Ilay miteny dia mampiditra ny tenany ho iray amin'ireo vahoaka na mipetraka any Egypta izy na tsia.
Eto ny hoe "feo" dia maneho ilay olona sy ny fitarainany na ny vavaka nataony mihitsy. DH: "reny ny fitarainantsika" na "reny ny vavaka nataontsika"
"fa nampahory antsika ireo Egyptiana, fa nanao asa tena mafy isika, ary fa nampijaly antsika ireo Egyptiana"
Ity dia manohy izay tokony lazain'ny Israelita rehefa mitondra ny voaloham-bokany amin'i Yaveh izy.
Eto ny hoe "isika" dia maneho ny vahoakan'Israely izay nipetraka tany Egypta. Ilay miteny dia mampiditra ny tenany ho iray amin'ireo vahoaka na nipetraka tany Egypta izy na tsia.
Eto ny hoe "tanana mahery" sy "sandry mihinjitra" dia sarinteny ho an'ny herin'i Yaveh. DH: "amin'ny fampisehoana ny heriny mahery." Misy teny mitovy hita ao amin'ny 4:34.
"tamin'ny asa izay nampitahotra ny vahoaka izay nahita azy ireo"
Fomba fiteny ity. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 6:3. DH: "tany izay feno ronono sy tantely mikoriana" na "tany izay tena tsara ho an'ny biby fiompy sy fambolena"
Mosesy manohy milaza amin'ireo Israelita izay tokony ho lazain'izy ireo rehefa mitondra ny voaloham-bokany any amin'i Yaveh izy ireo. Izy dia miresaka amin'izy ireo toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
"Tsy maintsy hapetrakao eo ambany ilay harona"
"ianao dia tsy maintsy miravoravo sy feno fankasitrahana amin'ny zavatra rehetra izay nataon'i Yaveh Andriamanitrao ho anao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Isakin'ny telo taona ny vahoakan'Israely dia manome ny ampahafolon'ny vokatra ho an'ny mahantra.
Ireo dia zaza izay efa maty ny ray aman-dreniny ary tsy manana havana mba hikarakara azy ireo.
Izany dia midika hoe vehivavy izay efa maty ny vadiny ary tsy manan-janaka mba hikarakara azy amin'izy antitra izao.
Eto ny hoe "vavahady" dia midika hoe tanàna. DH: "Mba hanana sakafo sahaza hohanina ireo izay ao amin'ny tanànanao"
Ireo no teny voalohany amin'ny fanambarana hafa izay tokony lazain'ny Israelita.
Ity dia midika fa nankato ireo didin'Andriamanitra rehetra izy.
Ity dia manohy izay tsy maintsy lazain'ny Israelita amin'i Yaveh rehefa manome ny ampahafolo-kareny amin'ny mahantra izy.
"tsy nihinana tamin'ny ampahafolo-karena aho rehefa nisaona"
Eto ny hoe "maloto" dia midika fa maloto araka ny lalàna ilay olona. Andriamanitra dia tsy mamela olona maloto hikasika ny ampahafolo-karena izay omeny an'Andriamanitra. Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fehezanteny ity. DH: "tamin'izaho naloto araka ny lalàna" na "rehefa miteny ny lalàna fa tsy afaka mikasika izany aho"
Eto ny hoe "feon'i Yaveh" dia sarinteny ho an'izay lazain'i Yaveh. Ireo fehezanteny roa ireo dia mizara hevitra mitovy. Manamafy ireo fa nankato ireo didin'Andriamanitra rehetra ilay olona.
Mitovy ny dikan'ireo roa ireo. DH: "avy eny an-danitra, ilay toerana fonenanao masina"
Fomba fiteny ity. Jereo ny fomba nandikanao iznay tao amin'ny 6:3. DH: "tany izay feno ronono sy tantely mikoriana" na "tany izay tena tsara ho an'ny biby fiompy sy fambolena"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ny fomba fiteny hoe "amin'ny fo manontolo" dia midika hoe "tanteraka" ary ny hoe "amin'ny fanahy manontolo" dia midika hoe "amin'ny maha-izy anao rehetra." Manana dika mitovy ireo. DH: "amin'ny maha-izy anao rehetra" na "amin'ny tanjakao rehetra." Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 4:29.
Ireo teny hoe "mandeha," "mitandrina," ary "mihaino" dia manana dika mitovy eto. Eto ny hoe "feo" dia maneho izay nolazain'Andriamanitra. DH: "mba hankato tanteraka ny zavatra rehetra andidian'i Yaveh ianao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Fomba fiteny ity. DH: "ho ataony manan-danja noho ireo ... ianao" na "ho ataony lehibe kokoa noho ireo ... ianao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ho ataony lehibe kokoa noho ny firenena hafa rehetra izay natsangany ianao, ary ho ataony afaka hidera sy hanome voninahitra Azy ianao" na 2) "ny olona dia ho ataony midera anao mihoatra lavitra noho ny hideran'izy ireo ny firenena hafa rehetra izay nataony; hilaza ny olona fa tsara kokoa noho ny firenena hafa rehetra ianao, ary hanome voninahitra anao izy ireo."
Yaveh misafidy ny vahoakan'Israely mba ho Azy amin'ny fomba miavaka dia resahina toy ny hoe natokan'i Yaveh tamin'ireo firenena rehetra izy ireo. DH: "Yaveh Andriamanitrao dia hanokana anao amin'ireo firenena hafa"
1 Mosesy sy ireo loholon'Israely nandidy ny vahoaka ary niteny hoe: "Tandremo ireo didy rehetra izay andidiako anareo androany. 2 Rehefa hiampita an'i Jordana ianareo indray andro any ho any amin'ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao anao, dia tsy maintsy hametraka vato lehibe maromaro ianao ary handalotra ireo amin'ny sokay. 3 Tsy maintsy soratanao ao amin'ireo ny teny rehetra amin'ity lalàna ity rehefa tafita ianao, mba hiditra ao amin'ilay tany izay omen'i Yaveh anao ianao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka ny efa nampanantenain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambenao. 4 Rehefa tafita ny Jordana ianareo, dia hatsangano ireo vato izay handidiako anareo androany, ao an-tendrombohitra Ebala, ary lalory sokay ireo. 5 Ao no tsy maintsy hanorenanao alitara ho an'i Yaveh Andriamanitrao, alitara vita amin'ny vato; kanefa aza mampiasa fitaovana vy hiasana ireo vato. 6 Vato tsy voapaika no tsy maintsy hanamboaranao ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrao; tsy maintsy hanao fanatitra dorana ho an'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'io ianao, 7 ary hanao sorona fanati-pihavanana ianao ka hihinana ao. Hiravoravo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ianao. 8 Ho soratanao feno eo amin'ireo vato ireo ny teny rehetra amin'ity lalàna ity." 9 Mosesy sy ireo mpisorona, ary ireo Levita, niresaka tamin'ireo Israely rehetra, nanao hoe: "Mangina, ary mihainoa, ry Israely: Androany dia efa tonga vahoakan'i Yaveh Andriamanitrao ianao. 10 Noho izany dia tsy maintsy mankatò ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary mankatò ireo didiny sy ny lalàny izay handidiako anao androany." 11 Tamin'io andro io ihany dia nandidy ny olona i Mosesy ary niteny hoe: 12 "Ireto foko ireto no tsy maintsy hitsangana eo an-tendrombohitra Gerizima mba hitso-drano ny olona rehefa tafita an'i Jordana ianareo: Simeona, Levy, Joda, Isakara, Josefa, ary Benjamina. 13 Ireto foko ireto no tsy maintsy hitsangana eo amin'ny Tendrombohitra Ebala mba hanonona ozona: Roben, Gada, Asera, Zebolona, Dana, ary Naftaly. 14 Hamaly ireo Levita ary hiteny amin'ireo lehilahin'Israely rehetra amin'ny feo avo hoe: 15 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an'idina, izay fahavetavetana amin'i Yaveh, ny asan'ny tanan'ny mpanao asa tanana, sy izay manangana izany mangingina.' Ary ny vahoaka rehetra hamaly ary hilaza hoe: 'Amena.' 16 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 17 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay mamindra ny mari-tanin'ny mpiray vodirindrina aminy.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 18 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay mamery lalana ny jamba.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 19 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay mampiasa hery mba hahazoana ny rariny izay tokony ho an'ny vahiny, ny kamboty, na ny mpitondratena.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 20 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay miara-mandry amin'ny vadin'ny rainy, satria nangalatra ny zon'ny rainy izy.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 21 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay miara-mandry amin'izay mety ho karazam-bibidia.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 22 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay miara-mandry amin'ny anabaviny, ny zanaka vavin'ny rainy, na ny zanaka vavin'ny reniny.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 23 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay miara-mandry amin'ny rafozam-baviny.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 24 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay mamono mangingina ny mpiray vodirindrina aminy.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 25 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay mandray kolikoly mba hamonoana ny olon-tsy meloka.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 26 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay tsy manamafy ireo tenin'ity lalàna ity, fa hankatò azy ireo izy.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.'
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe vondrona, noho izany dia "ianareo" no ampiasaina.
Mosesy no miteny eto. Ireo loholona dia manao fifanarahana amin'i Mosesy any, fa izy irery no miteny.
Ny sokay matetika dia fifangaroan'ny vovoka hazo, fasika, rano izay aparitaka amin'ny zavatra. Mihamaina izany mba ho lasa faritra mafy, malefaka izay afaka hanoratan'ny olona. DH: "hanaparitaka sokay eo amin'ireo" na "hanamboatra ireo mba hahafahanareo manoratra eo amin'izany"
Fomba fiteny ity. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 6:3. DH: "tany izay feno ronono sy tantely mikoriana" na "tany izay tena tsara ho an'ny biby fiompy sy ny fambolena"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe vondrona izy ireo, noho izany dia "ianareo" no ampiasaina.
"anaparitaho sokay eo amin'izany" na "hamboary izany mba ho afaka manoratra eo amin'izany ianao." Adikao toy ny tao amin'ny 27:1 ity.
Tendrombohitra akaikin'i Sekema ity. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 11:29.
Ity dia maneho an'ireo fandraka izay mampalefaka an'ireo vato, mba ho afaka ny hiaraka tsara ireo. Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fehezanteny ity. DH: "tsy hamolavola ny alitara amin'ny fitaovana vy ianao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
vato amin'ny endriny natoraly izay tsy mbola novolavolain'ny olona tamin'ny fitaovana vy
Ity dia maneho ireo vato izay mila apetrak'izy ireo any amin'ny Tendrombohitra Ebala sy ho lalorina amin'ny sokay. Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 27:1 sy 27:4.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Eto ny hoe "feon'i Yaveh" dia maneho izay lazainy. DH: "mankato izay lazain'i Yaveh Andriamanitrao"
Mosesy no mandidy. Ireo Levita dia manao fifanarahana amin'i Mosesy any, fa izy irery ihany no miteny.
Eto ny sarinteny hoe "foko" dia maneho ny olona avy any amin'ny fokon'i Simeona, Levy, Joda, Isakara, Josefa, ary Benjamina. DH: "Ireo olona avy amin'ireo foko ireo"
Tendrombohitra kely avaratry ny tendrombohitra Ebala. Adikao toy ny tao amin'ny 11:29.
Ity dia manambatra ireo fokon'i Efraima sy Manase, izay taranak'i Josefa.
Adikao toy ny ao amin'ny 11:29 ity.
"hilaza amin'ny feo mafy ny fomba hanozonan'i Yaveh an'Israely"
Ity no fanambarana izay tsy maintsy lazain'ireo Levita amin'ny vahoakan'Israely. DH: "Yaveh anie hanozona an'ilay olona ... nanangana izany mangingina"
Fomba fiteny ity. DH: "zavatra izay nataon'ny olona iray"
olona iray izay mahafantatra ny fomba hanaovana zavatra tsara.
Mosesy manohy milaza amin'ireo Levita sy ny vahoaka ny amin'izay tokony ho lazain'izy ireo.
DH: "Yaveh anie hanozona ny lehilahy"
Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fehezanteny ity. DH: "izay maka tany amin'ny mpiara-belona aminy amin'ny alalan'ny famindrana ireo marika eny amin'ny fari-taniny"
Mosesy manohy milaza amin'ireo Levita sy ny vahoaka ny amin'izay tokony ho lazain'izy ireo.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 27:16. DH: "Yaveh anie hanozona ny lehilahy"
Mosesy miresaka ny rariny toy ny hoe zavatra izay afaka alain'ny olona matanjaka eny amin'ny olona osa izany. Ny fiteninao dia mety manana teny tokana izay midika hoe "mampiasa hery mba hangalana." Misy teny mitovy hita ao amin'ny 24:17. DH: "mitondra ny vahiny ... mpitondratena amin'ny tsy rariny"
Ireo dia zaza izay samy efa maty ny ray aman-dreniny ary tsy manana havana mba hikarakara azy ireo.
Ity dia midika hoe vehivavy izay efa maty ny vadiny ary tsy manana zanaka mba hikarakara azy amin'ny fahanterany.
Mosesy manohy milaza amin'ireo Levita sy ny vahoaka ny amin'izay tokony lazain'izy ireo
Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 27:16. DH: "Yaveh anie hanozona ny lehilahy"
Ity dia tsy maneho ny renin'ilay lehilahy, fa vady hafan'ny rainy.
Rehefa manambady vehivavy iray ny lehilahy iray, izy irery ihany no manana zo ara-dalàna hiara-mandry aminy. Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fehezanteny ity. DH: "nangalatra ny zo ara-dalàn'ny rainy izy."
Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fehezanteny ity. DH: "izay miara-mandry amin'ny karazana bibidia amin'ny fomba izay iarahan'ny lehilahy mandry amin'ny vehivavy"
Mosesy manohy milaza amin'ireo Levita sy ny vahoaka ny amin'izay tokony lazain'izy ireo.
Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 27:16. DH: "Yaveh anie hanozona ny lehilahy"
Ity dia midika fa tsy afaka miara-mandry amin'ny anabaviny ny lehilahy iray, na dia manana reny na ray samihafa aza izy.
Mosesy manohy milaza amin'ireo Levita sy ny vahoaka ny amin'izay tokony lazain'izy ireo.
Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 27:16. DH: "Yaveh anie hanozona ny lehilahy"
Mosesy manohy milaza amin'ireo Levita sy ny vahoaka ny amin'izay tokony lazain'izy ireo.
Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 27:16. DH: "Yaveh anie hanozona ny lehilahy"
1 Raha mihaino tsara ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao ary mitandrina ireo didiny rehetra izay handidiako anao androany, dia hametraka anao ambonin'ny firenena hafa rehetra eto an-tany Yaveh Andriamanitrao. 2 Ireo fitahiana rehetra ireo dia ho tonga aminao ary hahatratra anao, raha mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao. 3 Ho tahiana ianao ao an-tanàna, ary ho tahiana ianao any an-tsaha. 4 Ho tahiana izay naterakao, sy ny vokatry ny taninao, ary ny zanak'ireo bibinao, ny fitomboan'ny biby fiompinao, ary ny zanaky ny ondry aman'osinao. 5 Ho tahiana ny haronao sy ny lovia fanaova-mofonao. 6 Ho tahiana ianao raha miditra, ary ho tahiana ianao raha mivoaka. 7 Hahatonga ireo fahavalonao izay mitsangana manohitra anao ho resy eo anoloanao Yaveh; hivoaka hanohitra anao amin'ny lalana iray izy ireo nefa handositra eo anoloanao amin'ny lalana fito. 8 Handidy ny fitahiana ho tonga aminao ao amin'ireo sompitrao sy amin'izay rehetra kasihin'ny tananao Yaveh; hitahy anao any amin'ny tany izay omeny anao Izy. 9 Hanorina anao tahaka ny vahoaka izay voatokana ho Azy Yaveh, tahaka ny efa nianianany taminao, raha mitandrina ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary mandeha amin'ny lalany. 10 Ireo vahoaka rehetra eto an-tany hahita fa ianao dia nantsoina tamin'ny anaran'i Yaveh, ary hatahotra anao izy ireo. 11 Hanao anao ho mpanan-karem-be amin'ny zanakao, amin'ny vokatry ny biby fiompinao, ary amin'ny vokatry ny taninao, amin'ny tany izay nianianany tamin'ireo razanao homena anao Yaveh. 12 Hanokatra ho anao ny trano fitehirizany any an-danitra mba hanome orana ho an'ny taninao amin'ny fotoany, sy mba hitahy ny asan'ny tananao rehetra i Yaveh; hampisambotra ny firenena maro ianao, fa tsy hisambotra. 13 Hanao anao ho lohany, ary tsy ho rambony i Yaveh; ho ambony ihany ianao, fa tsy ho ambany mihitsy, raha mihaino ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao izay handidiako anareo androany, ary mitandrina sy manao ireo, 14 ary raha tsy mivily amin'ny iray amin'ireo teny izay handidiako anao androany ireo ianao, amin'ny havanana na amin'ny havia, ary manaraka ireo andriamani-kafa mba hanompo azy ireo. 15 Fa raha tsy mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary mitandrina ireo didiny sy ireo lalàny rehetra izay handidiako anao androany, dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ary hahatratra anao. 16 Hozonina ianao ao an-tanàna, ary hozonina ianao any an-tsaha. 17 Hozonina ny ao amin'ny haronao sy ny lovia fanaova-mofonao. 18 Hozonina izay naterakao, ny vokatry ny taninao, ny fitomboan'ny biby fiompinao, ary ny zanaky ny ondry aman'osinao. 19 Hozonina ianao raha miditra, ary hozonina ianao raha mivoaka. 20 Yaveh handefa aminao ireo ozona, fisafotofotoana, ary ireo fitenenana mafy amin'izay rehetra kasihin'ny tananao, mandra-paharinganao, ary mandra-pahafatinao haingana noho ireo asa ratsinao izay hahafoizanao Ahy. 21 Hampifikitra ny areti-mandringana aminao mandra-pandringanany anao amin'ny tany izay ho azonao i Yaveh. 22 Hamely anao amin'ireo areti-mifindra, amin'ny tazo, amin'ny fanaintainana, ary amin'ny hafanana main-tany sy mandoro, ary amin'ny rivotra mahamay sy maty fotsy i Yaveh. Hanenjika anao mandra-pahafatinao ireo. 23 Ny lanitrao izay ambonin'ny lohanao dia ho varahina, ary ny tany izay ambaninao dia ho vy. 24 Hanao ny oran'ny taninao ho fasika sy vovoka i Yaveh; avy any an-danitra no hidinan'izany aminao, mandra-paharinganao. 25 Hahatonga anao ho resy eo anoloan'ireo fahavalonao i Yaveh; hivoaka amin'ny lalana iray hanohitra azy ireo ianao nefa handositra eo anoloan'izy ireo amin'ny lalana fito. Hisamboaravoara etsy sy eroa ao amin'ireo fanjakan'ny tany rehetra ianao. 26 Ny fatinao dia ho sakafon'ireo vorona avy eny an-anitra rehetra sy ho an'ireo bibin'ny tany; tsy hisy na iza na iza hampitahotra ireo. 27 Yaveh hamely anao amin'ireo vain'i Egypta sy amin'ireo fery, fahabokana, ary hidihidy, ary tsy ho sitrana amin'izany ianao. 28 Yaveh hamely anao amin'ny fahaverezan-tsaina, amin'ny fahajambana, ary amin'ny fikorotanan-tsaina. 29 Hitsapatsapa amin'ny atoandro toy ny jamba mitsapatsapa anaty aizina ianao, ary tsy hambinina amin'ireo lalanao ianao; hampahoriana sy ho robaina foana ianao, ary tsy hisy na iza na iza hamonjy anao. 30 Ho lasa mpifamofo amin'ny vehivavy ianao, nefa ny lehilahy hafa hisambotra azy ary hanolana azy. Hanamboatra trano ianao nefa tsy hipetraka ao amin'izany; hanao tanim-boaloka ianao nefa tsy hisitraka ny vokatr'izany. 31 Ho vonoina eo anoloan'ny masonao ny ombinao, nefa tsy hihinana ny henan'izany ianao; halaina an-keriny eo anoloan'ny masonao ny borikinao ary tsy haverina aminao. Homena ireo fahavalonao ny ondrinao, ary tsy hanana na iza na iza hanampy anao ianao. 32 Ireo zanakao lahy sy ireo zanakao vavy dia homena ireo olon-kafa; hitady azy ireo tontolo andro ireo masonao, nefa tsy hahavita miandry azy ireo. Tsy hisy hery eo an-tananao. 33 Ny vokatry ny taninao sy ny asanao rehetra— firenena izay tsy fantatrao no hihinana izany; hampahoriana sy ho potehina mandrakariva ianao, 34 mba hahatonga anao ho very saina noho izay zava-mitranga hitanao. 35 Yaveh hamely anao amin'ny vay mahery eo amin'ny lohalika sy tongotra ary tsy ho sitrana amin'izany ianao, hatrany amin'ny faladianao ka hatrany amin'ny tampon-dohanao. 36 Yaveh hitondra anao sy ny mpanjaka izay hapetrakao ho an'ny tenanao ho any amin'ny firenena izay tsy fantatrao, na ianao na ireo razanao; hanompo ireo andriamanin-kafa hazo sy vato ao ianao. 37 Ho lasa loharanon'ny horohoro, ohabolana, ary oha-pitenenenana, eo amin'ireo vahoaka rehetra izay handroahan'i Yaveh anao ianao. 38 Hamboly voa betsaka eo an-tsaha ianao, kanefa voa kely no ho hangoninao ao, satria ireo valala dia handany izany. 39 Hanao tanim-boaloboka ianao ary hamboly amin'ireo, nefa tsy mba hisotro amin'ny divay, na hanangona ireo voaloboka akory, satria ireo kankana no hihinana ireo. 40 Hanana hazon'oliva ao anatin'ny faritaninao rehetra ianao, nefa tsy hanosotra ny menaka amin'ny tenanao, satria ireo hazon'olivanao hanintsana ireo voany. 41 Hanan-janaka lahy sy zanaka vavy ianao, nefa tsy hijanona ho anao izy ireo, fa ho lasa any amin'ny fahababoana. 42 Ireo hazonao rehetra ary ny vokatry ny taninao— ireo valala no handany izany. 43 Ny vahiny izay eo aminao dia hisandratra avo dia avo amboninao; ianao tenanao dia hidina ambany dia ambany. 44 Hampisambotra anao izy, nefa ianao tsy hampisambotra azy; ho lohany izy, fa ianao kosa ho rambony. 45 Ireo ozona rehetra ireo dia ho tonga aminao sy hanenjika ary hahatratra anao mandra-paharingana anao. Hitranga izany satria tsy nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary tsy nitandrina ireo didiny sy ireo fitsipiny izay nandidiany anao. 46 Ireo ozona ireo ho aminao ho famantarana sy fahagagana, ary ho amin'ny taranakao mandrakizay. 47 Satria ianao tsy nanompo an'i Yaveh Andriamanitrao tamim-kafaliana sy fifalian'ny fo rehefa tao anatin'ny fanambinana ianao, 48 noho izany dia hanompo an'ireo fahavalo izay halefan'Andriamanitra hanohitra anao ianao; hanompo azy ireo amin'ny hanoanana, amin'ny hetaheta, amim-pitanjahana, ary amim-pahantrana ianao. Hametraka zioga vy eo am-bozonao mandra-pandringanany anao izy. 49 Yaveh dia hitondra firenena hanohitra anao avy lavitra, avy any amin'ny faran'ny tany, tahaka ny voromahery manidina ho amin'ny hazany, firenena izay tsy azonao ny fiteniny; 50 firenena masiaka endrika izay tsy manaja ny zokiolona ary tsy maneho sitraka an'ireo tanora. 51 Hihinana ny zanaky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharingana anao izy ireo. Tsy hamela voa ho anare, divay vaovao, na diloilo, ny zanaky ny biby fiompinao na ny an'ny ondry aman'osinao izy ireo, mandra-pahafatiny anao. 52 Hanao fahirano anao ao amin'ireo vavahadin'ny tanànanao rehetra izy ireo, mandra-pianjeran'ireo rindrinao avo sy mafy rehetra ao an-tanànanao, ireo rindrina izay nitokisanao. Hanao fahirano anao ao amin'ny vavahadin'ny tanànanao rehetra manerana ny tany rehetra izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao anao izy ireo. 53 Hihinana ny vokatry ny vatanao ihany, ny nofon'ireo zanakao lahy sy ny an'ireo zanakao vavy, izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao anao ianao, eo amin'ny fahirano sy eo amin'ny fahoriana izay ho ataon'ireo fahavalonao eo aminao. 54 Ny lehilahy izay marefo sy tena malefaka eo aminareo—dia hialona ny rahalahiny sy ny vady malalany, ary ireo zanaka rehetra nilaozany izy. 55 Ka tsy hanome na amin'ny iray amin'izy ireo ny nofon'ny zanany izay ho haniny izy, satria tsy hanana na inona na inona tavela ho an'ny tenany amin'ny fahirano sy amin'ny fahoriana izay hataon'ireo fahavalonao aminao ao amin'ireo vavahadin'ny tanànanao rehetra izy. 56 Ny vehivavy marefo sy malefaka eo aminao, izay tsy sahy mametraka ny faladian-tongony amin'ny tany nohon'ny faharefoana sy fahalefahana— dia hialona ny vady malalany ihany izy, ny zanany lahy, sy ny zanany vavy, 57 ary ny zanany vao teraka izay mivoaka avy ao anelanelan'ny tongony, sy ireo zanaka izay haterany. Hihinana azy ireo mangingina izy nohon'ny tsy fisian-javatra hafa, mandritra ny fahirano sy ny fahoriana izay hataon'ireo fahavalonao aminao ao amin'ireo vavahadin'ny tanànanao. 58 Raha tsy mitandrina ny teny rehetra amin'izao lalàna izay voasoratra ao amin'ity boky ity izao ianao, ary tsy manaja ity anarana be voninahitra sy mampahatahotra ity, Yaveh Andriamanitrao, 59 dia ho ataon'i Yaveh mahatsiravina ny areti-mandringanao, sy ny an'ireo taranakao; ho areti-mandoza ireo, izay maharitra ela, ary aretina mahery, maharitra ela. 60 Ho entiny aminao indray ireo aretin'i Egypta rehetra izay natahoranao; hifikitra aminao ireo. 61 Ny aretina sy ny areti-mandringana rehetra izay tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ity lalàna ity ihany koa, ireo ihany koa dia ho entin'i Yaveh aminao mandra-paharingana anao. 62 Avela ho kely an'isa ianareo, na dia tahaka ireo kintan'ny lanitra aza ny isanareo, satria tsy nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo. 63 Tahaka ny nifalian'i Yaveh taminareo tany taloha tamin'ny fanaovana ny tsara ho anareo, sy tamin'ny fampitomboana anareo, no hifaliany aminareo amin'ny famonoana anareo sy amin'ny fandringanana anareo. Hongotana amin'ny tany izay andehananao mba hatao fananana ianareo. 64 Yaveh dia hampiely anao eo amin'ireo vahoaka rehetra eny amin'ny faran'ny tany iray ka hatrany amin'ny farany hafan'ny tany; any ianao dia hanompo ireo andriamani-kafa izay tsy fantatrao, na ianao na ireo razanao, ireo andriamanitra hazo sy vato. 65 Any amin'ireo firenena ireo dia tsy hahita fitoniana ianao, ary tsy hisy fitsaharana ho an'ireo faladian-tongotrao; fa kosa, homen'i Yaveh fo tora-kovitra, maso mitanondrika, ary fanahy izay malahelo ianao any. 66 Hihantona amin'ny ahiahy eo anatrehanao ny fiainanao; hatahotra isan-kalina sy isan'andro ianao ary tsy hahazo antoka ny fiainanao akory. 67 Amin'ny maraina dia hiteny ianao hoe: 'Iriko mba ho hariva izao!' ary amin'ny hariva dia hiteny ianao hoe: 'Iriko mba ho maraina izao!' nohon'ny tahotra ao am-ponao sy ireo zavatra izay ho hitan'ireo masonao. 68 Yaveh hitondra anao indray any Egypta amin'ny sambo, amin'ny lalana izay nolazaiko taminao hoe: 'Tsy hahita an'i Egypta intsony ianao.' Hanolotra ny tenanareo ho varotra any amin'ireo fahavalonareo toy ny mpanompo lahy sy vavy ianareo, nefa tsy hisy na iza na iza hividy anareo."
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Eto ny sarinteny hoe "feon'i Yaveh" dia maneho izay lazain'i Yaveh. DH: "izay lazain'i Yaveh Andriamanitrao"
"ary mankato"
Mosesy dia miresaka ny hoe manan-danja na lehibe toy ny hoe zavatra materilay izay avo izany, toy ny eo amin'ny havoana avo. DH: "hanao anao ho manan-danja kokoa noho" na "hanao anao ho lehibe kokoa noho"
Mosesy dia mamaritra ny fitahiana toy ny hoe olona izay hanafika azy ireo tampoka na hanenjika sy hahatratra azy ireo. DH: "Yaveh dia hitahy anao tahaka izany amin'ny fomba izay tsy ho ampoizinao mihitsy, ary ho toy ny hoe tsy afaka hitsoaka Azy mitahy anao ianao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
DH: "Hitahy anao Yaveh"
Ity dia midika fa hitahy azy ireo Yaveh na aiza na aiza.
Ireo fomba fiteny amin'ny hoe "ny zanakao, sy ny vokatrao, ary ny bibinao rehetra" ireo dia entina hilaza ny zavatra rehetra izay sarobidy amin'ireo Israelita.
Ireo dia fomba telo entina hilazana fa ho ataon'i Yaveh maro sy matanjaka ireo bibin'ireo Israelita. DH: "ny bibibao rehetra miaraka amin'ireo zanak'ombin'ireo biby fiompy sy ny zanak'ireo ondry"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
DH: "Ho tahian'i Yaveh"
Ireo Israelita dia nampiasa harona mba hitondrana vary. Ny "fanaova-mofo" dia lovia nampiasain'izy ireo hanafangaroana ny vary ary hanaovana mofo. DH: "ny sakafo rehetra izay ampitomboinao sy ny sakafo rehetra izay hohaninao"
Ity dia midika hoe amin'ny asa rehetra eo amin'ny fiainana na aiza na aiza alehan'izy ireo.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
DH: "hampandresy anao amin'ireo tafika izay manafika anao"
"nefa izy ireo handositra anao amin'ny lalana fito"
Fomba fiteny ity. Mety ho mihoatra na latsaka io isa io. DH: "amin'ny lalana samihafa"
Mosesy dia mamaritra an'i Yaveh mitahy ireo Israelita toy ny hoe mibaiko olona iray mba hanafika tampoka azy ireo Yaveh. DH: "Rehefa mitahy anao Yaveh, dia ho gaga amin'ny habetsakin'ny vary hanananao ao amin'ny sompitrao ianao"
Fomba fiteny ity. DH: "sy amin'ny zavatra rehetra ataonao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Yaveh misafidy ny vahoakan'Israely mba ho Azy amin'ny fomba miavaka dia resahina toy ny hoe mametraka azy ireo eo amin'ny toerana samihafa amin'ny toerana izay onenan'ny firenena hafa rehetra Yaveh. DH: "ho ataon'i Yaveh ho vahoaka masina izay Azy ianao"
Eto ny sarinteny hoe "antsoina amin'i anaran'i yaveh" dia midika hoe Azy. DH: "Yaveh dia niantso anao hoe Azy"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Fomba fiteny ity. Misy teny mitovy hita ao amin'ny 28:3. DH: "amin'ny zanaka, biby, ary vokatra"
Mosesy dia miresaka ny rahona izay hiavian'ny rotsak'orana toy ny hoe trano be izay hitehirizany ny orana izany. DH: "ny rahona"
"rehefa mila izany ny vokatra"
Ny teny hoe "tanana" dia misolotena an'ilay olona mihitsy. DH: "ny asa rehetra izay ataonao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ity sarinteny ity dia mamaritra ny firenen'Israely toy ny hoe biby ary midika hoe ho mpitarika eo amin'ireo firenena hafa foana ny Israelita fa tsy ho mpanompo manaraka ao aorian'izy ireo. Ireo Israelita dia ho ambony amin'ny fahefana, vola, ary voninahitra.
Ireo Israelita dia hanapaka eo amin'ireo hafa fa ny hafa tsy hanapaka eo amin'izy ireo mihitsy.
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita rehetra, noho izany dia "ianareo" no ampiasaina.
Ny tsy fankatoavana an'i Yaveh sy fanompoana andriamanitra hafa dia resahina toy ny hoe olona mivily ary mandeha any amin'ny lalana hafa amin'izay tenin'i Yaveh. DH: "raha tsy mankato izay handidiako anao androany ianao amin'ny fanompoana andriamanitra hafa"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Eto Mosesy dia manomboka mamaritra ireo ozona izay ho raisin'ireo vahoaka raha toa ka tsy mankato izy ireo.
Eto ny hoe "feon'i Yaveh" dia midika hoe izay lazain'i Yaveh. DH: "izay lazain'i Yaveh Andriamanitrao"
Mosesy dia mamaritra ny ozona toy ny hoe olona izay hanafika azy ireo tampoka na hanenjika sy hahatratra azy ireo. DH: "Yaveh dia hanozona anao tahaka izany amin'ny fomba izay tsy ho ampoizinao mihitsy, ary ho toy ny hoe tsy afaka hitsoaka Azy manozona anao ianao"
Adikao toy ny ao amin'ny 28:1 ity.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ireo fehezanteny ireo dia efa niseho mialoha tao amin'ity toko ity. Jereo ny fomba nandikanao ny maro amin'ireo teny ireo tao amin'ny 28:3 sy 28:5.
DH: "Hanozona anao Yaveh"
Io dia midika hoe hitahy azy ireo Yaveh na aiza na aiza. Adikao toy ny tao amin'ny 28:3 ity.
Ireo Israelita dia nampiasa harona mba hitondrana vary. Ny "fanaova-mofo" dia lovia nampiasain'izy ireo hanafangaroana ny vary ary hanaovana mofo. Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 28:5 ity. DH: "ny sakafo rehetra izay ampitomboinao sy ny sakafo rehetra izay hohaninao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ireo fehezanteny ireo dia efa niseho mialoha tao amin'ity toko ity. Jereo ny fomba nandikanao ny maro amin'ireo teny ireo tao amin'ny 28:3 sy 28:5.
DH: "Hozonin'i Yaveh"
Fomba fiteny ity hilazana ny hoe "ny zanakao, ny vokatrao." Adikao toy ny tao amin'ny 28:3 ity.
Ireo dia fomba fiteny hilazana fa Yaveh dia hanao ireo bibin'ireo Israelita ho maro sy matanjaka. DH: "Ireo zanak'ombin'ny biby fiompy sy ireo zanaky ny ondry aman'osy"
Ity dia maneho ny asa rehetra eo amin'ny fiainana na aiza na aiza alehan'izy ireo. Adikao toy ny tao amin'ny 28:5 ity.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"loza, tahotra, ary fahakiviana."
Fomba fiteny ity. DH: "amin'ny zavatra rehetra ataonao"
DH: "mandra-paharinganan'ireo fahavalonao anao"
Eto ny hoe "Ahy" dia maneho an'i Yaveh.
"hampitoetra ao aminao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"aretina sy tazo mahery izay hampalemy anao." Ireo rehetra ireo dia maneho ireo aretina izay mampalemy sy mahafaty olona
"tsy fahampian'ny orana"
bobongolo izay mitombo eny amin'ny vokatra ka mahatonga izany ho lo.
Mosesy dia miresaka an'ireo zavatra ratsy izay hitranga amin'ireo Israelita toy ny hoe olona na biby izay hanenjika ao aorian'ireo Israelita izany. DH: "hijaly amin'ireo ianao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Mosesy dia miresaka ny lanitra ho toy ny varahina satria tsy hisy orana. DH: "lanitra ... tsy hanome orana"
Mosesy dia miresaka ny tany ho toy ny vy satria tsy hisy vokatra hitombo. DH: "tsy hisy zavatra hitombo eny amin'ny tany"
"raha tokony ho orana, dia handefa tafio-drivotra fasika Yaveh"
DH: "mandra-pahandringanan'izany anao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
DH: "ho ataon'i Yaveh mamono anao ireo fahavalonao"
Adikao toy ny tao amin'ny 28:7 ity.
Ity dia midika hoe hatahotra ireo Israelita ary hikorontana sy hitsoaka amin'ny fahavalon'izy ireo. Jereo ny teny mitovy ao amin'ny 28:7. DH: "hitsoaka amin'ny lalana fito ianao"
Fomba fiteny ity. DH: "any amin'ny lalana samihafa"
DH: "Ireo vahoaka any amin'ny firenen-kafa dia handroaka anao avy any amin'ny firenena iray mankany amin'ny iray hafa"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"aretin-koditra mitovy amin'ny nanozonako an'ireo Egyptiana"
Ireo dia karazana aretin-koditra.
DH: "izay tsy hisy olona afaka hanasitrana anao"
"Ho toy ny olona jamba izay mitsapatsapa ao anaty aizina ianao na dia amin'ny atoandro aza." Ireo Israelita dia hanana fiainana sarotra na dia rehefa mankafy ny fiainana aza ny rehetra.
"hampahory sy handroba anao foana ny olona matanjaka"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
DH: "hijery ianao rehefa misy olona mamono ny ombinao"
DH: "hisy olona haka an-keriny ny borikinao ary tsy hamerina izany"
DH: "Homeko ho an'ireo fahavalonao ny ondrinao" na "Avelako haka ny ondrinao ireo fahavalonao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
DH: "Homeko an'ireo olona hafa ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy" na "ho alain'ireo fahavalo ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy"
Eto ny hoe "ny masonao" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "Ho vizana ianao eo am-pitadiavana azy ireo sy eo am-piandrasana ny hahita azy ireo indray"
Eto ny sarinteny hoe "hery eo an-tananao" dia maneho ny fahefana. DH: "tsy hanana fahefana hanaovana na inona na inona momban'izany ianao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Eto ny hoe "firenena" dia midika hoe ny vahoaka avy any amin'ny firenena iray. DH: "vahoaka avy any amin'ny firenena iray"
Ny teny hoe "ampahoriana" sy "potehina" dia manana dika mitovy. DH: "hampahory sy hamotika anao mandrakariva izy ireo" na "hampahory anao hatrany izy ireo"
"hahalasa adala anao izay hitanao"
DH: "tsy hisy olona afaka hanasitrana anao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Eto ny teny hoe "ohabolana" sy "oha-pitenenana' dia manana dika mitovy. DH: "horohoro. Ny vahoaka, any amin'ireo toerana izay handefasan'i Yaveh anao, dia hanao ohabolana sy oha-pitenenana momba anao" na "horohoro. Yaveh dia handefa anao any amin'ireo vahoaka izay hihomehy anao sy hanala baraka anao"
teny na fehezanteny izay ampiasain'ny olona hampamenatra ny hafa.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"kanefa hamokatra sakafo tena kely"
Mosesy manohy mamaritra ny ozon'Andriamanitra raha tsy mankato Azy ny olona. Izy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ny olona dia manosotra menaka oliva amin'ny tenan'izy ireo mba hahasalama ny oditr'izy ireo.
Mety mila manazava tsara ianao fa ilay voa dia mihintsana mialohan'ny fahamasahany. DH: "hanintsana ny voany mialohan'ny fahamasahan'ilay voa ny hazon'oliva" na "ireo oliva dia hihintsana amin'ny hazon'oliva mialohan'ny fahamasahany"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ity dia tsy midika hoe vahiny iray manokana fa maneho an'ireo vahiny amin'ny ankapobeny. DH: "Ireo vahiny izay ... Hampisambotra anao izy ireo ... azy ireo"
Ity fomba fiteny ity dia midika fa ireo vahiny dia manana fahefana, vola, ary voninahitra bebe kokoa noho ireo Israelita.
Ity dia midika fa ireo vahiny dia hanana hery sy fahefana bebe kokoa noho ireo Israelita. Jereo ny fomba nandikanao fehezanteny mitovy tao amin'ny 28:13.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Mosesy dia mamaritra an'ireo ozona toy ny hoe olona izay hanafika azy ireo tampoka na hanenjika sy hahatratra azy ireo. Jereo ny fomba nandikanao zavatra mitovy tao amin'ny 28:1. DH: "Yaveh dia hanozona anao tahaka izany amin'ireo fomba izay tsy ho ampoizinao mihitsy, ary ho toy ny hoe manenjika anao Izy ary tsy afaka mitsoaka Azy manozona anao ianao"
Eto ny teny hoe "feon'i Yaveh" dia sarinteny ho an'izay nolazain'i Yaveh. DH: "izay nolazain'i Yaveh Andriamanitrao "
Ireo teny hoe "didy" sy "fitsipika" dia midika hoe izay rehetra nandidian'i Yaveh anao mba hatao.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Eto ny hoe "hafaliana" sy "fifalian'ny fo" dia manana dika mitovy. Manamafy ireo fa tokony tena faly manompo an'i Yaveh izy ireo.
Ity dia sarinteny ho an'i Yaveh mamela ny fahavalo hitondra an'ireo Israelita an-kaharatsiana sy hanandevo azy ireo.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ireo roa ireo dia manana dika mitovy ary manamafy fa ireo fahavalo dia ho tonga avy any amin'ny firenena izay tena lavitra an'Israely.
Fomba fiteny ity. DH: "avy any amin'ny toerana izay tsy misy fantatrao ny mombamomba azy"
Ity dia midika fa ny fahavalo dia ho avy tampoka ary tsy ho afaka hanajanona azy ireo ny Israelita.
Ny teny hoe "firenena" dia sarinteny ho an'ny vahoaka ao amin'io firenena io. DH: "firenena izay manana endrika masika ny vahoakany, izay tsy manaja ny zokiolona sy tsy manome sitraka"
DH: "mandra-pandringanan'izy ireo anao" na "mandra-pamelany anao tsy manana na inona na inona"
Mosesy manohy mamaritra ny tafika izay hanafika an'ireo Israelita raha tsy mankato an'i Yaveh izy ireo. Izy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Eto ny hoe "vavahadin'ny tanàna" dia maneho tanàna iray. DH: "ireo tanànanao"
Eto ny hoe "nofon'ny zanakao lahy sy ny an'ny zanakao vavy" dia manazava ny sarinteny hoe "izay naterakao." Ny vahoaka dia ho noana mafy rehefa manodidina ny tanànan'izy ireo ny fahavalo ka hihinana ny zanany ihany izy ireo.
Ity dia miresaka ny zanaka toy ny hoe voankazo izay novokarin'ny vatan'ny ray aman-dreniny izany. DH: "ireo zanakao ihany"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"izay marefo sy tena malefa eo aminao—na dia izy aza." Mosesy dia milaza fa tsy ireo manantena ny hihinana ny zanany ihany, fa na dia ny olona farany aza dia heverina hihinana ny zanany ihany.
Eto ny hoe "vavahadin'ny tanàna" dia maneho an'ireo tanàna miihitsy. DH: "ireo tanànanao rehetra"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"Ny vehivavy marefo sy malefaka eo aminao ... fahalefahana— ... na izy aza." Mosesy dia milaza fa tsy ireo manantena ny hihinana ny zanany ihany, fa na dia ny vehivavy zanak'andriana sy tena malemy fanahy aza, izay tsy noheverina hihinana ny zanany mihitsy, dia hihinana ny zanany. "ianao" no ampiasaina eto.
Mosesy dia manitatra. Manamafy izy fa io vehivavy manan-kaja io dia tena manan-karena ary mipetraka ao anaty zavatra mihaja ka tsy hamela ny tenany haloto izy.
DH: "satria izy tena marefo sy malefaka"
Eto ny hoe "vavahadin'ny tanàna" dia maneho ireo tanàna mihitsy. DH: "ao amin'ireo tanànanao"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
DH: "izay nosoratako"
Eto ny hoe "anarana" dia maneho an'i Yaveh mihitsy. DH: "Yaveh Andriamanitrao izay be voninahitra sy mpahatahotra"
"handefa aretina mahatsiravina eo aminao sy ny taranakao Yaveh" na "ho ataon'i Yaveh azo antoka fa hijaly amin'ny aretina mahatsiravina ianao sy ny taranakao"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
Fomba fiteny ity. DH: "ho ataony azo antoka fa hijaly amin'ireo aretin'i Egypta indray ianao"
Fomba fiteny ity. DH: "tsy hijanona ireo aretina, ary tsy hisy afaka hanasitrana anao amin'ireo"
DH: "na dia ny aretina sy ireo areti-mandringana izay tsy nosoratako aza"
DH: "mandra-pandringanany anao"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe vondrona, noho izany dia "ianareo" no ampiasaina.
Ity dia midika fa nisy Israelita maro be tany aloha.
Eto ny hoe "feon'i Yaveh" dia maneho izay lazain'i Yaveh. DH: "izay lazain'i Yaveh"
Mosesy dia miresaka amin'ireo israelita toy ny vondrona, noho izany dia "ianareo" no ampiasaina.
"tany aloha Yaveh dia nifaly tamin'ny fanaovana tsara aminareo sy nanamaro anareo"
"hankafy ny famonoana anareo Izy"
Mosesy dia mampiasa sarinteny mba hiresahana ny olona toy ny hoe voankazo izay hongotan'i Yaveh amin'ny voaroy izy ireo. DH: "hanala anareo eo amin'ny tany izay hidiranao mba atao fananana Izy"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ireo fihoarana ireo miaraka dia midika hoe na aiza na aiza eto ambonin'ny tany. DH: "manerana ny tany" na "eran'ny tany manontolo"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
Eto ny fehezanteny hoe "faladihan-tongotrao" dia ,maneho ilay olona mihitsy. DH: "mila mirenireny foana ianao satria tsy manana trano maharitra izay afaka hitsaharanao"
Fomba fiteny ity. DH: "hahatonga anao hatahotra, tsy hanana fanantenana, sy malahelo Yaveh"
Fomba fiteny ity. DH: "tsy ho fantatrao na ho velona ianao na ho faty"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
Fomba fiteny ity. DHl: "nohon'ny tahotra ao anatinareo"
Eto ny hoe "maso" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "ireo zavatra mampahatahotra izay tereko ho jerenao"
Yaveh eto no miteny.
1 Ireto ny teny izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ho lazaina amin'ny vahoakan'Israely tany amin'ny tany Moaba, teny izay nanampiana ny fanekena izay nataony tamin'izy ireo tao Horeba. 2 Nantsoin'i Mosesy ny vahoakan'Israely rehetra ka hoy izy tamin'izy ireo: "Efa hitanareo izay rehetra nataon'i Yaveh tamin'i Farao teo anoloan'ny masonao tany amin'ny tany Egypta, dia tamin'ireo mpanompony rahetra, sy tamin'ny taniny rehetra— 3 ireo fahoriana lehibe izay hitan'ny masonao, ireo famantarana, ary ireo fahagagana lehibe. 4 Fa hatramin'ny anio dia tsy nanome fo hahafantarana, maso hahitana, sofina handrenesana ho anareo Yaveh. 5 Efapolo taona no nitondrako anareo tany an'efitra, tsy niala taminareo ny akanjonareo, ary tsy niala teo an-tongotrao ny kapanao. 6 Tsy nihinana mofo ianareo, tsy nisotro divay na zava-pisotro mahamamo hafa, mba hahafantaranareo fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. 7 Raha tonga tamin'ity toerana ity ianareo, dia nivoaka mba hiady amintsika, i Sihona, ilay mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, ilay mpanjakan'i Basana, dia lavontsika izy ireo. 8 Nalaintsika ireo taniny ary nomentsika ho lovan'ireo Robenita, sy Gadita, ary ho an'ny an-tsasaky ny fokon'i Manase izany. 9 Noho izany tandremo ireo tenin'ity fanekena ity ary ataovy izany, mba ho hambinina amin'izay rehetra hataonareo anie ianareo. 10 Mijoro ianareo androany, ianareo rehetra, eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrareo; ireo lehibenareo, ireo fokonareo, ireo loholonareo, ary ireo manam-boninahitrareo—ireo lehilahin'i Israely rehetra, 11 ireo zaza madinikareo, ireo vadinareo, ary ny vahiny izay ao aminao ao amin'ny tobinao, na izay manapaka ny hazonao hatramin'izay mantsaka ny ranonao. 12 Tonga eto ianao mba hiditra amin'ny faneken'i Yaveh Andriamanitrao sy amin'ny fianianana izay hataon'i Yaveh Andriamanitrao aminao ani, 13 ka hahatonga anao ho vahoakany Izy, ary Izy ho Andriamanitrao, arak'izay nolazainy taminao, sy arak'izay nianianany tamin'ny razanao, tamin'i Abrahama, tamin'i Isaka, ary tamin'i Jakoba. 14 Fa tsy aminareo ihany no hanaovako izao fanekena sy fianianana izao— 15 dia amin'izay rehetra mitsangana eo anoloan'i Yaveh Andriamanitsika miaraka amintsika eto anio—fa amin'ireo izay tsy miaraka amitsika eto anio ihany ko. 16 Fantatrareo ny fomba niainantsika tany amin'ny tany Egypta, ary ny fomba namakivakisantsika ireo firenena izay nolalovanareo. 17 Efa hitananareo ireo zava-maharikorikon'izy ireo: dia ireo sampy hazo sy ireo sampy vatony, volafotsy sy volamena, izay teo amin'izy ireo. 18 Aoka tsy hisy eo aminareo na lehilahy, na vehivavy, na fianakaviana, na foko izay mivily miala amin'i Yaveh Andriamanitsika ny fony anio, ka handeha hanompo ny andriamanitr'ireo firenena ireo. Aoka tsy hisy faka mamokatra zava-mangidy sy zava-mahafaty eo aminareo. 19 Koa raha ren'izany olona izany ireo tenin'ity fanozonana ity, dia hitso-drano ny tenany ao am-pony izy ka hanao hoe: 'Hanam-piadanana aho, na dia mandeha araka ny ditran'ny foko aza.' Izany dia haharingana ny lena miaraka amin'ny maina. 20 Ary tsy hamela azy Yaveh, fa kosa, hirehitra amin'izany lehilahy izany ny fahatezeran'i Yaveh sy ny hasarotam-piarony, ary ho tonga aminy ny ozona rehetra izay voasoratra anatin'ity boky ity, ary ho fafan'i Yaveh tsy ho eo ambany lanitra ny anarany. 21 Ary hatokan'i Yaveh ho eny ivelan'ny fokon' Israely rehetra amin'ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin'ny fanekena izay vaosoratra anatin'ity bokin'ny lalàna ity. 22 Ny taranaka ho avy, dia ireo zanaka izay handimby anareo, ary ny vahiny izay avy amin'ny tany lavitra, dia hiteny rehefa hitan'izy ireo ny areti-mandringana amin'ity tany ity sy ireo aretina izay nampahararian'i Yaveh izany— 23 Ary rehefa hitan'izy ireo fa tonga solifara sy sira mirehitra ny tany manontolo, izay tsy namafazana na inona na inona na namoha voa, izay tsy misy zava-maniry, tahaka ny naharava an'i Sodoma sy Gomoro, Adma sy Jeboima, izay noravan'i Yaveh tamin'ny fahavinirany sy fahatezerany— 24 dia hiara-hilaza amin'ny firenen-kafa rehetra izy ireo hoe: "Nahoana no nanao izao tamin'ity tany ity i Yaveh? Inona no hevitr'izao firehetan'ny fahatezerana lehibe izao?' 25 Ary hiteny ireo vahoaka hoe: "Izao no izy satria tsy nanaraka ny faneken'i Yaveh, Andriamanitr'ireo razambeny izy ireo, izay nataony tamin'izy ireo tamin'ny nitondrany azy ireo nivoaka ny tany Egypta, 26 ary satria izy ireo nandeha nanompo andriamani-kafa sady niankohoka tamin'izany izy ireo, dia ireo andriamanitra izay tsy fantatr'izy ireo ary tsy nomeny ho azy ireo akory. 27 Noho izany ny fahatezeran'Andriamanitra dia narehitra tamin'ity tany ity, ka tonga teo aminy ireo ozona rehetra izay voasoratra tamin'ity boky ity. 28 Ary nofongoran'i Yaveh tamin'ny fahatezerana, tamin'ny fahavinirana, ary tamin'ny fahasosorana lehibe, tsy ho amin'ny taniny izy ireo, ary nariany tany amin'ny tany hafa, mandrak'androany." 29 Ireo zava-miafina dia an'i Yaveh Andriamanitsika irery ihany; fa ny zavatra ambara kosa dia natao ho antsika sy ireo taranatsika mandrakizay, mba hahafahantsika manatanteraka ny teny rehetran'ity lalàna ity.
Ity dia maneho fa hiteny Mosesy.
Ity dia any amin'ny ilany atsinanan'i Jordana izay nipetrahan'ireo Israelita talohan'ny nidiran'izy ireo tao amin'ny tany Kanana. "tamin'izy ireo tany amin'ny tany Moaba"
Ireo didy fanampiny dia nomena mba hampiharana tsara kokoa ny faneken'i Yaveh eo amin'ireo vahoaka raha vantany vao tafapetraka ao amin'ny taniny vaovao izy ireo. Ireo didy vaovao ireo dia tsy an'ny fanekena hafa, fa fanampin'ny fanekena teo aloha.
Eto ny hoe "maso" dia manamafy fa Yaveh dia nanantena azy ireo hahatsiaro fa efa hitan'izy ireo izany. DH: "efa hitanareo izay rehetra nataon'i Yaveh mba hahitanareo sy hahatsiarovanareo fa nanao izany Izy"
Eto ny hoe "maso" dia mampatsiahy fa Yaveh dia nanantena azy ireo hahatsiaro fa efa hitan'izy ireo izany. DH: "hitan'ny tenanareo fa nijaly mafy ny vahoaka"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
Ireo teny hoe "famantarana" sy "fahagagana" dia samy maneho ilay areti-mandringana izay nalefan'i Yaveh teo amin'i Egypta. DH: "sy ireo zavatra mahery rehetra izay nataon'i Yaveh"
Manana fo, maso, ary sofina ny olona. Ity sarinteny ity dia milaza fa Yaveh dia tsy nanome fahafahana azy ireo hahatakatra avy amin'izay hita sy ren'izy ireo hoe iza Yaveh, ary ahoana ny fomba hankatoavan'izy ireo sy nahoana izy ireo no tokony hankato Azy.
Fomba fiteny ity. DH: "nanome fahafahana anareo mba hahatakatra"
Yaveh dia miresaka amin'ireo vahoakan'Israely.
"40 taona"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Zava-pisotro mahamamo mety vita tamin'ny voa nalona. Tsy toaka mitsika ireo.
Adikao toy ny tao amin'ny 1:3 ireo anarana ireo.
Eto ny hoe "isika" dia maneho an'i Mosesy sy ny vahoakan'Israely.
Mitovy hevitra ireo fehezanteny roa ireo ary manamafy fa ny olona dia mila mankato ireo didin'i Yaveh. DH: "ankatoavy ireo tenin'ny fanekeny rehetra"
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Nisy vahiny maro teo amin'ireo Israelita. DH: "ireo vahiny izay eo aminao ao amin'ny tobinao, avy amin'ireo izay manapaka ny hazonao hatramin'izay mantsaka ny ranonao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"mba hanaiky an'ilay fanekena sy mba hianiana fa hankato an'izay rehetra andidin'i Yaveh Andriamanitrao ianao"
"vondron'olona izay Azy irery"
Yaveh no miteny eto. "hanaovan'i Yaveh"
Eto ny hoe "isika" dia maneho an'i Mosesy sy ny vahoakan'Israely.
"ireo taranantsika ho avy, izay tsy eto"
"andevo isika"
Eto ny hoe "fo" dia maneho ilay olona mihitsy, ary ny hoe "mivily miala" dia midika hoe mijanona tsy mankato. DH: "izay tsy mankato an'i Yaveh Andriamanintsika intsony"
Mosesy dia miresaka ny olona izay manompo mangina andriamanitra hafa toy ny hoe faka izy, ary ireo asa ratsy ataony mba hanompoana izany andriamanitra izany, sy izay amporisihany ny hafa mba atao, toy ny hoe zava-maniry izay poizina ho an'ny olona. DH: "ny olona izay manompo sampy sy mahatonga ny hafa tsy hankato an'i Yaveh"
Ilay olona izay voafaritra tao amin'ny andininy faha 18.
Fomba fiteny ity. DH: "hiarahaba ny tenany" na "hankahery ny tenany"
Fomba fiteny ity. DH: "na dia mbola mandà ny hankato an'i Yaveh aza aho"
Eto ny ireo teny hoe "lena" sy "maina" dia sarinteny ho an'ny olo-marina sy ny olona ratsy fanahy. Izany dia maneho ny "olona rehetra." DH: "izany dia hahatonga an'i Yaveh handringana ny olo-marina sy ny olona ratsy fanahy eo amin'ny tany"
Satria matetika maina ilay tany dia nila orana ny olona mba hampitombo ny vokatr'izy ireo, ireo teny ireo dia sarinteny ho an'ny hoe "velona ... maty" na "tsara ... ratsy." DH: "zavatra lena ... zavatra maina" na "olona tsara ... olon-dratsy"
Tahaka ny afo miha-miredareda, dia miha-miredareda tahaka izany koa ny fahatezeran'i Yaveh sy ny hasarotam-piarony. DH: "hiredareda toy ny afo ny fahatezerana miharo hasarotam-piaron'i Yaveh"
Eto ny teny hoe "saro-piaro" dia mamaritra "ny hatezeran'i Yaveh." DH: "ny fahatezerana miharo hasarotam-piaron'i Yaveh"
DH: "izay voasoratro"
Mosesy dia mamaritra ireo ozona toy ny hoe olona iray izay hanafika azy ireo tampoka. DH: "Yaveh dia hanozona azy amin'ireo ozona izay voasoratra ao amin'ity boky ity amin'ny fomba izay tsy ho ampoiziny mihitsy." Misy teny mitovy hita ao amin'ny 28:15.
Izany dia midika fa handringana tanteraka an' ilay olona sy ny fianakaviany Yaveh. Tsy hahatadidy azy ny olona any aoriana. Misy fahezanteny mitovy hita ao amin'ny 7:23.
Ireo teny hoe "ireo zanakao izay handimby anareo" dia milaza hoe iza ilay "taranaka ho avy."
"ny fomba nanozonan'i Yaveh ny tany Kanana tamin'ny areti-mandingana sy aretina"
Ny olona dia manisy solifara sy sira eo amin'ny tany mba tsy hampitombo ny zavatra rehetra. "rehefa hitan'izy ireo fa nandoro ny tany tamin'ny solifara sy sira Yaveh"
DH: "izay tsy misy afaka hamafy voa ary tsy hamoha voa ireo vokatra"
DH: "tahaka ny fotoana nandravan'i Yaveh tanteraka an'i Sodoma sy Gomora"
Ireo dia anaran-tanàna izay noravain'i Yaveh niaraka tamin'i Sodoma sy Gomora.
Ireo anarana hoe "fahavinirana" sy "fahatezerana" dia manana dika mitovy. DH: "tamin'Izy tezitra mafy"
DH: "hanontany miaraka amin'ireo firenena hafa rehetra ny antony nanaovan'i Yaveh izany tamin'ilay tany izy ireo, sy ny dikan'ny firehetan'ny hatezerany lehibe."
"ireo taranakao sy ireo vahoakan'ny firenena hafa rehetra dia hilaza"
Ny mpanoratra dia mampita hevitra iray amin'ny alalan'ny teny roa. DH: "inona no dikan'izao hatezerana mahatsiravina izao?
Ity no valin'ilay hoe "Nahoana Yaveh no nanao izao tamin'ity tany ity?" (29:22). "Nanao izao tamin'ilay tany Yaveh satria tsy nanaraka an'ireo fampanantenana sy ireo lalàn'ny fanekeny ireo Israelita"
"nankato andriamanitra hafa sy nanompo azy ireo"
Mosesy dia mampitaha an'i Yaveh tezitra amin'ny olona izay mandrehitra afo. Izany dia manamafy ny fahefan'Andriamanitra hamotika na inona na inona mampahatezitra Azy. DH: "lasa tezitra mafy tamin'ity tany ity Yaveh"
Eto ny hoe "tany" dia sarinteny maneho ny vahoaka. DH: "ny vahoaka amin'ity tany ity, ka tonga teo amin'izy ireo"
DH: "izay voasoratro"
Israely dia ampitahaina amin'ny zava-maniry ratsy izay nongotan'i Yaveh sy nariany hiala ny saha. DH: "nesorin'i Yaveh tsy ho amin'ny taniny izy ireo ary notereny handeha"
Ireo teny hoe "hatezerana," "fahavinirana," ary "fahasosorana" dia manana dika mitovy ary manamafy ny hamafin'ny hatezeran'i Yaveh. DH: "amin'ny hatezerana mafy tafahoatra" na "satria tena tezitra mafy Izy"
"Ireo zavatra sasany izay tsy nambaran'i Yaveh Andriamanintsika, ka Izy irery ihany no mahalala azy"
DH: "izay nambarany"
Ny teny hoe "teny" dia sarinteny ho an'ny hoe "baiko." DH: "mba hanaovantsika ny zavatra rehetra izay andidian'ity lalàna ity mba ataontsika"
1 Rehefa tonga eo aminao izao zavatra rehetra izao, ireo fitahiana sy ireo ozona izay napetrako teo anolonao, ary rehefa mahatsiaro azy ireo ianao eo amin'ireo firenena hafa rehetra izay nitondran'i Yaveh Andriamanitrao anao, 2 ary rehefa miverina amin'i Yaveh Andriamanitrao ianao ka makanto ny feony, manaraka izay rehetra handidiako anao izao— ianao sy ireo zanakao— amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo, 3 dia hanova ny fahababonao sy hanana famindram-po aminao i Yaveh Andriamanitrao; hiverina izy ary hanangona anao amin'ireo olona rehetra izay naparitak'i Yaveh Andriamanitrao. 4 Raha misy iray amin'ireo olonao natao sesitany any amin'ireo toerana lavitra indrindra ambanin'ny lanitra, any amin'izany no hanangonan'i Yaveh Andriamanitrao anao, ary any amin'izany no hitondrany anao. 5 Yaveh Andriamanitrao hitondra anao amin'ny tany izay nananan'ny razambenao, ka ho lasa fanananao indray izany; hanao soa anao izy ary hampitombo anao mihoatra noho ny nataony tamin'ireo razambenao. 6 Ho forain'i Yaveh Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ireo taranakao, ka ho tiavinao amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo i Yaveh Andriamanitrao, mba ho velona ianao. 7 Yaveh Andriamanitrao dia hametraka ireo ozona rehetra ireo eo amin'ireo fahavalonao sy eo amin'ireo mankahala anao, ireo izay nanenjika anao. 8 Hiverina sy hankato ny feon'i Yaveh ianao, ary hanao ireo didiny rehetra izay handidiako anao izao. 9 Hampahomby anao i Yaveh Andriamanitrao amin'ny asan'ny tananao rehetra, amin'ny vokatry ny tenanao, sy amin'ny vokatry ny biby fiompinao, ary amin'ny vokatry ny taninao, ho fandrosoana; fa i Yaveh hifaly aminao indray nohon'ny fandrosoana, toy ny nifaliany tamin'ireo rainao. 10 Hanao izany izy raha hankato ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao, mba hitandrina ireo didiny sy ireo fitsipika izay voasoratra tao amin'izany bokin'ny lalàna izany, raha miverina amin'i Yaveh Andriamanitrao ianao amin'ny fon sy fanahinao manontolo. 11 Fa ity didy izay handidiako anao izao ity dia tsy mafy loatra aminao, na lavitra loatra ny hanakaranao azy. 12 Tsy any an-danitra izany, ka tokony hiteny ianao hoe: 'Iza no hiakatra any an-danitra ho antsika sy hitondra izany midina aty amintsika ary manome fahafahana antsika handre izany, mba hanaovantsika izany?' 13 Tsy any ampitan-dranomasina izany, ka tokony hiteny ianao hoe: 'Iza no hiampita ny ranomasina ho antsika sy hitondra izany amintsika ary mampandre izany antsika, mba hanaovantsika izany?' 14 Fa efa akaikinao ny teny, ao amin'ny vavanao sy ny fonao, mba hahafahanao manao izany. 15 Indro, nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny tsara, ary ny fahafatesana sy ratsy ankehitriny. 16 Raha mankato ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao ianao, izay handidiako anao ankehitriny mba hitia an'i Yaveh Andriamanitrao, handeha amin'ireo lalany, ary hitandrina ireo didiny, ireo fitsipiny, sy ireo lalàny, dia ho velona sy hitombo ianao, ary Yaveh Andriamanitrao hitahy anao any amin'ny tany izay hidiranao ho fanananao. 17 Fa raha mivily lalana ny fonao, ary tsy mihaino ianao fa kosa voasarika lavitra sy miankohoka amin'ireo andriamanitra hafa ary manompo azy ireo, 18 dia ambarako anao ankehitriny fa ho faty ianao; tsy hanalava ireo andronareo ianareo any amin'ny tany izay hitànao an'i Jordana mba hidirana sy ho fananana. 19 Miantso ny lanitra sy tany aho mba ho vavolombelona manohitra anao ankehitriny izay efa napetrako teo anoloanao dia ny fiainana sy ny fahafatesana, ireo fitahiana sy ireo ozona; noho izany fidio ny fiainana mba ho velona, ianao sy ireo taranakao. 20 Ataovy izany mba ho fitiavana an'i Yaveh Andriamanitrao, mba hankatoavana ny feony, ary hifikirana aminy. Satria Izy no fiainanao sy halavan'ireo andronao; ataovy izany mba hiainanao any amin'ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambenao, tamin'i Abrahama, Isaka, sy i Jakoba mba homena azy ireo."
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Eto ny hoe "izao zavatra rehetra izao" dia maneho ny fitahiana sy ozona voafaritra tao amin'ny toko faha 28-29. Ny hoe "tonga eo aminao" dia fomba fiteny izay midika hoe hitranga. DH: "rehefa mitranga aminao ireo zavatra rehetra ireo"
Ity dia miresaka an'ireo fitahiana sy ozona izay nolasain'i Mosesy toy ny hoe zavatra izay napetrany teo anoloan'izy ireo. DH: "izay vao nolazaiko anao ny momba azy"
Fomba fiteny ity. DH: "mahatadidy azy ireo"
"rehefa monina eo amin'ireo firenena hafa ianao"
"nanereny anao mba haleha"
Eto ny hoe "feo" dia maneho izay lazain'i Yaveh. DH: "mankato izany lazainy"
Ity fomba fiteny hoe "amin'ny fonao manontolo" ity dia midika hoe "tanteraka" ary ny hoe "amin'ny fanahinao manontolo" dia midika hoe "amin'ny maha-izy anao rehetra." Ireoo fehezanteny roa ireo dia manana dika mitovy. DH: "amin'ny maha-izy anao rehetra" na "amin'ny tanjakao rehetra." Adikao toy ny tao amin'ny 4:29 ireo teny ireo.
"hanafaka anao amin'ny fahababoanao." DH: "hanafaka anao amin'ireo izay nisambotra anao"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"na dia ireo olonao natao sesitany izay any amin'ireo toerana lavitra indrindra aza"
"eto an-tany"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Tsy hoe manala ny nofo ara-bakieny ity. Izany dia midika hoe hanala ny fahotan'izy ireo Yaveh ary hanome fahafahana azy ireo mba hitia sy hankato.
Ity fomba fiteny hoe "amin'ny fonao manontolo" ity dia midika hoe "tanteraka" ary ny hoe "amin'ny fanahinao manontolo" dia midika hoe "amin'ny maha-izy anao rehetra." Ireoo fehezanteny roa ireo dia manana dika mitovy. DH: "amin'ny maha-izy anao rehetra" na "amin'ny tanjakao rehetra." Adikao toy ny tao amin'ny 4:29 ireo teny ireo.
Eto ny hoe "feo" dia midika hoe izay lazain'i Yaveh. DH: "mankato an'izay lazain'i Yaveh"
Mosesy dia miresaka ny ozona toy ny hoe entana na sarona izay afaka apetrakin'ny olona eo ambonin'ny olona iray. DH: "hampijaly an'ireo fahavalonao amin'ireo ozona ireo"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Eto ny hoe "tanana" dia maneho an'ilay olona mihitsy. DH: "amin'ny asa rehetra ataonao"
Ireo fehezanteny telo ireo dia fomba fiteny ho an'ny hoe "amin'ny zanaka ... amin'ny zanak'omby ... amin'ny vokatra." MIsy teny mitovy hita ao amin'ny 28:3.
DH: "izay voasoratro"
Ity fomba fiteny hoe "amin'ny fonao manontolo" ity dia midika hoe "tanteraka" ary ny hoe "amin'ny fanahinao manontolo" dia midika hoe "amin'ny maha-izy anao rehetra." Ireoo fehezanteny roa ireo dia manana dika mitovy. DH: "amin'ny maha-izy anao rehetra" na "amin'ny tanjakao rehetra." Adikao toy ny tao amin'ny 4:29 ireo teny ireo
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Mosesy dia miresaka ny fahafahana mahatakatra izay hangatahin'ny didy amin'ny olona mba hatao toy ny hoe afaka manakatra zavatra azo tsapain-tanana izany olona izany. DH: "na ho sarotra loatra aminao ny hahatakatra izay hangatahin'i Yaveh mba hataonao"
Eto Mosesy dia mampiasa fanontaniana fampisainana mba hanamafisana fa ny vahoakan'Israely dia mieritreritra fa sarotra loatra ho azy ireo ny hahafantatra ireo didin'i Yaveh. DH: "Tsy maintsy misy olona mankany an-danitra mba hianatra ny didin'Andriamanitra ary avy eo miverina mba hilaza izany amintsika mba hahafantsika mankato izany"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ity fanontaniana fampisainana ity dia manohy ilay hevitra fa ny vahoakan'Israely dia mieritreritra fa sarotra loatra ho an'ny vahoakan'Israely ny hahafantatra ny didin'i Yaveh. DH: "tsy maitsy misy olona mandeha miampita ny ranomasina mba hianatra ny didin'i Yaveh ary avy eo miverina sy milaza antsika hoe inona avy ireo."
Ity dia midika fa efa fantatry ny vahoaka ireo didin'Andriamanitra ary afaka miteny izany amin'ireo hafa.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ny mametraka zavatra eo amin'izay hahitan'ny olona izany dia sarinteny hilazana amin'ny olona iray ny momban'ny zavatra iray. DH: "nolazaiko anao ny momba azy"
DH: "izay tsara sy hahatonga anao ho velona, ary izay ratsy sy hahafaty anao"
"sy hanana taranaka maro"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Eto ny hoe "fo" dia maneho an'ilay olona mihitsy. DH: "raha mitsahatra amin'ny tsy fivadihana amin'Andriamanitra ianao ... ary mandresy lahatra anao mba hiankohoka sy hanompo andriamanitra hafa ireo vahoaka mipetraka ao amin'ilay tany"
Miresaka dia amin'ireo Israelita toy ny hoe vondrona.
Ny hoe andro lava dia sarinteny ho an'ny hoe lava andro iainana. DH: "afaka ny hiaina fotoana ela." Adikao toy ny tao amin'ny 4:25 ireo teny ireo.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ireo mety ho heviny dia 1) Mosesy dia miantso an'ireo izay mipetraka any an-danitra sy eto an-tany mba ho vavolombelona amin'izay lazainy, na 2) Mosesy dia miresaka amin'ny lanitra sy ny tany toy ny hoe olona ireo, ary miantso azy ireo izy mba ho vavolombelona amin'izay lazainy
"mba ho vonona hilaza fa nanao zavatra ratsy ianao"
Eto ny hoe "feo" dia maneho an'izay lazain'i Yaveh. DH: "hankato izay lazainy"
"mba hiankina aminy"
Ny hoe "fiainanao" sy "halavan'ireo andronao" dia sarinteny ho an'ilay afaka manome aina sy halavn'ny andro. DH: "Yaveh irery no afaka manome fahafahana anao hiaina ela"
DH: "nianianan'i Yaveh fa omeny an'ireo razambenao"
1 Mosesy nandeha ary niteny ireo teny ireo tamin'i Israely rehetra. 2 Hoy izy tamin'izy ireo: "Roapolo amby zato taona aho ankehitriny; tsy afaka mandeha mivoaka sy miditra intsony aho; hoy Yaveh tamiko hoe: 'Tsy hita an'i Jordana ianao.' 3 Yaveh Andriamanitrao, dia handeha manoloana anao; hamotika ireo firenena eo anoloanao Izy, ka ho azonao ireny. Josoa, handeha eo anoloanao izy, araka izay nolazain'i Yaveh. 4 Yaveh dia hanao amin'izy ireny toy izay nataony tamin'i Sihona sy Oga, mpanjakan'ireo Amorita, sy amin'ireo tanin'izy ireo, izay nosimbainy. 5 Yaveh dia hanome fandresenareo azy ireo rehefa miady ianareo, ka hanao izay rehetra nandidiako anareo amin'izy ireo ianareo. 6 Matanjaha ary mahereza tsara, aza matahotra, ary aza raiki-tahotra azy ireo; satria Yaveh Andriamanitrao, Izy izay mandeha miaraka aminao; tsy hanary anao na koa hahafoy anao Izy." 7 Niantso an'i Josoa i Mosesy ary niteny taminy teo imason'Israely rehetra hoe: "Matanjaha ary mahereza tsara, satria handeha hiaraka amin'ireo vahoaka ireo any amin'ny tany izay nampanantenain'i Yaveh tamin'ny razan'izy ireo fa homeny azy ireo ianao; hahatonga azy ireo handova izany ianao. 8 Yaveh, Izy no handeha eo anoloanao; hiaraka aminao Izy; tsy hanary anao na hahafoy anao Izy; aza matahotra, aza kivy." 9 Nanoratra izany lalàna izany i Mosesy ary nanome izany an'ireo mpisorona, ireo zanak'i Levy, izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh; nanome dika mitovy amin'izany an'ireo loholon'Israely rehetra ihany koa izy. 10 Nandidy azy ireo Mosesy ary niteny hoe: "Isaky ny faran'ny fito taona, amin'ny fotoana voatondro amin'ny fanafoanana ireo trosa, mandritry ny Firavoravoan'ny Fialofana, 11 rehefa tonga hiseho eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'ny toerana izay safidiany ho fitoerany masina ny Israely rehetra, dia hamaky io lalàna io manoloana an'Israely rehetra eo an-tsofin'izy ireo ianao. 12 Vorio ny olona, ny lehilahy, ny vehivavy, ny zaza, ary ny vahininao izay ao amin'ny vavahadin'ny tanànanao, mba ho afaka handre sy hianatra izy ireo, ary mba ho afaka hanome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrareo sy hitandrina ny teny rehetra amin'io lalàna io izy ireo. 13 Ataovy izany mba ho afaka handre sy hianatra hanome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrareo, ny zanak'izy ireo, izay tsy mahafantatra, raha mbola mipetraka ao amin'ny tany izay hitànareo ho any Jordana ho fanananareo ianareo. 14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Indro, ho avy ny andro izay tsy maintsy hahafatesanao; antsoy Josoa ary manolora tena ao amin'ny lay fihaonana, mba hahafahako manome baiko azy." Dia nandeha Mosesy sy Josoa ary nanolotra ny tenan'izy ireo tao amin'ny lay fihaonana. 15 Niseho tao amin'ny lay tamin'ny andry rahona i Yaveh; ny andrin-drahona nitsangana teo amin'ny varavaran'ny lay. 16 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Indro, hiara-handry amin'ireo razanao ianao; io vahoaka io dia hitsangana ka hanao tahaka ny mpijangajanga manaraka andriamanitra hafa izay eo amin'izy ireo ao amin'ny tany izay handehanan'izy ireo. Hahafoy Ahy izy ireo ary handrava ny fanekeko izay nataoko tamin'izy ireo. 17 Ary, amin'io andro io, dia hirehitra amin'izy ireo ny hatezerako ary handao azy ireo Aho. Hanafina ny tavako amin'izy ireo Aho ka ho levona izy ireo. Aretina maro sy korontana no ho hitan'izy ireo mba hiteny toy izao izy ireo amin'io andro io hoe: 'Tsy tonga eto anivontsika ve ireo aretina ireo satria tsy eto afovoantsika ny Andriamanitsika?' 18 Hanafina ny tavako amin'izy ireo tokoa Aho amin'io andro io nohon'ny ratsy rehetra izay nataon'izy ireo, satria nitodika tany amin'ireo andriamani-kafa izy ireo. 19 Ankehitriny ary dia soraty ho an'ny tenanareo ity hira ity ary ampianaro ny vahoakan'Israely izany. Ataovy ao am-bavan'izy ireo izany, ka mety ho fijoroana vavolombelona ho Ahy amin'ireo vahoakan'Israely izany hira izany. 20 Satria rehefa hitondra azy ireo any amin'ny tany izay nampanantenaiko homena ireo razamben'izy ireo Aho, tany izay tondra-dronono sy tantely, ary rehefa avy nihinana ka voky sy afa-po izy ireo, dia hitodika any amin'ireo andriamani-kafa sy hanompo azy ireo ary hanao tsinontsinona Ahy sy handrava ny fanekeko. 21 Rehefa tonga eo anivon'io vahoaka io ny ratsy sy ny korontana maro, dia ho vavolombelona eo anatrehan'izy ireo io hira io (satria tsy ho adino eo ambavan'ireo taranak'izy ireo izany). Satria fantatro ny tetikasa izay foronin'izy ireo ankehitriny, na dia nentiko tany amin'ny tany izay nampanantenaiko azy ireo aza izy ireo." 22 Noho izany dia nanoratra io hira io tamin'io andro io ihany i Mosesy ary nampianatra izany an'ireo vahoakan'Israely. 23 Nanome didy an'i Josoa zanaka lahin'i Nona i Yaveh nanao hoe: "Matanjaha ary mahereza tsara; satria ianao no hitondra ny vahoakan'Israely ao amin'ny tany izay nampanantenaiko azy ireo, ary hiaraka aminao Aho." 24 Izao no niseho rehefa nahavita nanoratra ireo tenin'ny lalàna tao anaty boky i Mosesy, 25 fa handidy an'ireo Levita izay mitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh izy, manao hoe: 26 "Raiso ity bokin'ny lalàna ity ary apetraho eo ankilan'ny fiaran'ny faneken'i Yaveh Andriamanitrareo, mba ho eo tahaka ny vavolombelona manohitra anao izany. 27 Satria fantatro ny fikomianareo sy ny fahamafisan-dohanareo; indro, raha mbola velona miaraka aminareo aho androany, dia mpikomy manohitra an'i Yaveh ianareo; mainka fa rehefa maty aho? 28 Vorio eto amiko ireo loholon'ny fokonareo rehetra, sy ireo manam-boninahitra, mba hahafahako miteny ireo teny ireo eo an-tsofin'izy ireo sy miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona manohitra azy ireo. 29 Satria fantatro fa aorian'ny hahafatesako ianareo dia hamitaka ny tenanareo tokoa ka hiala amin'ny lalana izay nandidiako anareo; ho avy aminareo ny aretina amin'ny andro manaraka izany. Hiseho izany satria hanao izay ratsy eo imason'i Yaveh ianareo, izay hahatonga Azy ho tezitra amin'ireo asan'ny tananareo." 30 Dia nolazain'i Mosesy teo an-tsofin'ireo vahoakan'Israely rehetra ny tonon'izany hira izany mandrapa-tapitrany.
"120 taona"
Eto ny hoe "mivoaka" sy "miditra" nampiasaina miaraka dia midika fa Mosesy dia tsy afaka manao izay afaka ataon'ny olona salama intsony. DH: "tsy afaka mandeha na aiza na aiza izay mila alehanareo intsony aho, koa tsy afaka ny ho mpitarika anareo intsony aho"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
"ho alainao ny tanin'izy ireo"
"Josoa dia hitarika anao manerana ny renirano, araka ny nampanantenain'i Yaveh"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita.
Eto ny hoe "Sihona" sy "Oga" dia maneho ireo mpanjaka roan'ireo Amorita sy ny tafik'izy ireo. Adikao toy ny tao amin'ny 1:3 ireo anarana ireo. DH: "izay nataony tamin'i Sihona sy Oga, ireo mpanjakan'ireo Amorita, sy tamin'ireo tafik'izy ireo"
"aza matahotra azy ireo akory"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
DH: "hanatanteraka ny fampanantenany aminao foana Izy ary homba anao foana"
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
Izany dia midika fa teo avokoa ny vahoakan'Israely rehetra. DH: "teo amin'ny fanatrehan'ireo Israelita rehetra"
Adikao toy ny tao amin'ny 31:4.
"hanampy azy ireo haka ilay tany ianao"
"nanome izany an'ireo Levita, izay mpisorona"
"7 taona"
"fanafoanana ireo trosa"
Anarana hafa hiantsoana an'ity firavoravoana ity ny hoe "Fetin'ny Tabernakely," "Firavoravoan'ireo Trano Heva," ary "Fetin'ny Fanangonana." Mandritry ny fijinjana, dia manorina fialofana vonjy maika eny an-tsaha ireo mpamboly. Io firavoravoana io dia mitranga aorian'ny fijinjana farany amin'ny taona. Adikao toy ny tao amin'ny 16:13 ity.
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
"mba handrenesan'izy ireo izany"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo mpisorona sy ireo loholona.
Eto ny hoe "vavahadin'ny tanàna" dia maneho an'ireo tanàna mihitsy. Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto. DH: "ny vahininao izay mipetraka ao amin'ireo tanànanao"
"hankato tsara an'ireo didy rehetra ao amin'io lalàna io"
"henoy tsara izay ho lazaiko anareo."
Ity dia rahon-tsetroka matevina amin'ny endrika tsanganana mahitsy.
"henoy tsara izay ho lazaiko anareo."
Ity dia fomba mihaja hilazana ny hoe "ho faty ianao." DH: "ho faty ianao ary hiaraka amin'ireo razambenao izay efa maty talohanao"
Ny hoe mijangajanga dia sarinteny ho an'ny fanompoana andriamanitra hafa noho Yaveh. DH: "hanomboka tsy hahatoky Ahy"
Yaveh manohy miresaka amin'i Mosesy.
Yaveh dia mampitaha ny hatezerany amin'ny olona mandrehitra afo. Ity dia manamafy ny fahefan'Andriamanitra handrava na inona na inona mampahatezitra Azy. DH: "harehitro amin'izy ireo ny hatezerako" na "ho tezitra amin'izy ireo Aho"
Fomba fiteny ity. DH: "tsy hanampy azy ireo Aho"
DH: "handevona azy ireo Aho" na "hamela ny fahavalon'izy ireo handevona azy ireo Aho"
Ity dia sarinteny ho an'ny hoe "rava tanteraka"
Ity dia mamaritra an'ireo aretina sy korontana toy ny hoe olona ireo. DH: "hiaina aretina sy korontana maro izy ireo"
Ity dia mamaritra an'ireo aretina sy korontana toy ny hoe olona ireo. Ity fanontaniana fampisainana ity dia afaka atao fanambarana. DH: "Mandringana ahy ireo aretina ireo ... ny Andriamanintsika"
"tsy miaro antsika intsony Andriamanitra" na "navelan'Andriamanitra ho irery isika"
Yaveh manohy miresaka amin'i Mosesy momban'ireo Israelita.
Fomba fiteny ity. DH: "Ataovy tadidy sy hirain'izy ireo izany"
Fomba fiteny ity. DH: "tany izay feno ronono sy tantely mikoriana" na "tany izay tena tsara ho an'ny biby fiompy sy fambolena" Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:3.
Eto ny hoe ratsy sy korontana dia voafaritra toy ny hoe olombelona ireo ary afaka mahita ny olona. DH: "rehefa miaina ratsy sy korontana maro io vahoaka io"
Ity dia miresaka an'ilay hira toy ny hoe olona mijoro vavolombelona ao amin'ny fitsarana manohitra an'Israely izany.
DH: "ny taranak'izy ireo dia tsy hanadino ny hitandrina izany ao am-bavan'izy ireo"
DH: "ho tsaroan'ny taranak'izy ireo ny hitandrina izany ao am-bavan'izy ireo
Ny fomba fiteny hoe "manadino izany ao am-bava" dia midika hoe mijanona miresaka momba izany. DH: "ny taranak'izy ireo dia tsy hitsahatra ny hifampiresaka momba izany"
Ny zavatra kasain'ny olona atao dia resahina toy ny hoe zavatra materialy izany. DH: "izay kasain'izy ireo atao"
"ny tany izay nampanantenaiko fa omeko azy ireo"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 31:4.
Mosesy miresaka amin'ireo Levita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Levita momba ireo vahoaka Israelita rehetra.
Mosesy miresaka amin'ireo Levita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Adikao toy ny nandikanao ny hoe "mafy loha" tao amin'ny 9:6 ity.
Ity fanontaniana fampisainana ity dia manamafy ny naha-mpikomy an'ireo vahoaka. DH: "mbola ho mpikomy bebe kokoa aza ianareo rehefa maty aho."
Eto ny hoe "eo an-tsofin'izy ireo" dia midika hoe ireo olona mihitsy. DH: "mba hilazako ireo tonon'ity hira ity amin'izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) Mosesy dia miantso an'ireo rehetra izay mipetraka any an-danitra sy eto an-tany mba ho vavolombelona amin'izay lazainy na 2) Mosesy dia miresaka amin'ny lanitra sy ny tany toy ny hoe olona ireo, ary miantso izany mba ho vavolombelona amin'izay lazainy. Misy teny mitovy hita ao amin'ny 30:19.
"hanao izay tena tsy mety ianareo." Misy teny mitovy hita ao amin'ny 4:15.
"hijanona tsy hanaraka an'ireo fampianarana izay nomeko anareo." Misy teny mitovy hita ao amin'ny 9:11.
Eto ny hoe "eo imason'i Yaveh" dia midika hoe "amin'ny hevitr'i Yaveh." DH: "satria ianareo hanao izay lazain'i Yaveh fa ratsy"
Eto ny hoe "tananareo" dia midika hoe ireo vahoaka mihitsy. DH: "nohon'ny nataonareo"
Eto ny hoe "sofina" dia maneho an'ilay olona mihitsy. DH: "nolazain'i Mosesy tamin'ny vahoakan'Israely"
Ireo mety ho heviny dia 1) "nohiraina" na 2) "noresahina"
DH: "ny tonon'ilay hira izay nampianarin'i Yaveh azy"
1 Mihainoa, ry lanitra, ary avelao aho hiteny. Aoka ny tany hihaino ny tenin'ny vavako. 2 Aoka ny fampianarako hilatsaka toy ny ranon'orana, aoka ny teny halahatro hiraraka toy ny ando, ho toy orana manify amin'ny ahi-maitso, sy ho toy ny oram-be amin'ny zava-maniry. 3 Fa hitory ny anaran'i Yaveh aho, ary hanaiky ny fahalehibiazan'ny Andriamanitsika. 4 Ilay Vatolampy, tanteraka ny asany; fa marina avokoa ny lalany rehetra. Izy ilay Andriamanitra mahatoky, izay tsy misy heloka. Marina sy mahitsy Izy. 5 Nanao ratsy nanohitra azy izy ireo. Tsy mba zanany izy ireo. Fahafaham-baraka ho azy ireo izany. Taranaka simba toetra sy meloka izy ireo. 6 Izany ve no fomba hamalianao fitia an'i Yaveh, ry vahoaka adala sy tsy misy saina? Tsy rainao ve izy, ilay iray izay nahary anao? Nanao sy nanorina anao Izy. 7 Avereno ao an-tsainao ireo andron'ny fotoana fahiny, saino ny taona maro efa lasa. Anontanio ny rainao ary dia hasehony anao, ireo loholonao ary dia ho lazain'izy ireo aminao. 8 Tamin'ny nanomezan'Ilay Avo Indrindra an'ireo firenena ny lovan'izy ireo—tamin'ny nizarany ny olombelona rehetra, ary ny nametrahany ny faritanin'ny vahoaka, ary ny namerany ny isan'ireo andriamaniny ihany koa. 9 Fa ny anjaran'i Yaveh dia ireo vahoakany; Jakoba no zara lovany. 10 Hitany tany amin'ny tany efitra izy, sy tany amin'ny tany efitra lao sy tsy mamokatra; niaro sy nikarakara azy Izy, niambina azy toy ny anakandriamasony Izy. 11 Toy ny voromahery izay miambina ny ankaniny sy manidintsidina eo ambonin'ireo zanany, namelatra ny elany Yaveh ary naka azy ireo, ary nentiny teny ambonin'ny elany izy ireo. 12 Yaveh irery no nitarika azy; tsy nisy andriamani-kafa niaraka taminy. 13 Nampandeha azy teny amin'ireo toerana avon'ny tany Izy, ary namahana azy ny vokatry ny saha; namelona azy tamin'ny tantely avy amin'ny vatolampy izy, ary menaka tamin'ny harambato afovato. 14 Nihinana hero-dronono avy amin'ny omby sy nisotro ronono avy amin'ireo ondry aman'osy izy, niaraka tamin'ny tavin'ny zanak'ondry, ondry lahin'ny Basana sy ireo osy lahy, niaraka tamin'ny varim-bazaha tsara indrindra— ary nisotro divay mandroatra avy tamin'ny ranom-boaloboka ianao. 15 Fa nihanatavy Jesorona ka nitsipaka— nihanatavy ianao, tena natavy loatra ianao, ary nihinana izay nahavoky anao—nahafoy an'Andriamanitra izay nanao azy izy, ary nolaviny ny Vatolampin'ny famonjeny. 16 Nanai izay nahasaro-piaro an'i Yaveh tamin'ireo andriamanin-kafa izy ireo; tamin'ireo zava-betavetany no nampahatezerany azy. 17 Nanao sorona tamin'ny demonia izy ireo, izay tsy Andriamanitra— andriamanitra izay tsy fantatr'izy ireo, andriamanitra izay vao niseho, andriamanitra izay tsy natahoran'ireo razambenareo. 18 Nataonao foana ny Vatolampy, izay efa tonga rainao, ary nohadinoinao ilay Andriamanitra izay niteraka anao. 19 Hitan'i Yaveh izany ka nafoiny izy ireo, satria nihantsy Azy ny zanany lahy sy vavy. 20 Hoy Izy hoe: "hanafina ny tavako amin'izy ireo Aho," "ary ho hitako eo izay hiafaran'izy ireo; fa taranaka mpivadika izy ireo, zanaka izay tsy mahatoky. 21 Nanao izay nahasaro-piaro Ahy tamin'izay tsy andriamanitra izy ireo ary nampahatezitra ahy tamin'ireo zava-poany. Izaho hampialona azy ireo amin'izay tsy vahoaka; hampahatezitra azy ireo amin'ny firenena adala Aho. 22 Fa nirehitra ny afo nohon'ny fahatezerako ary mandoro hatrany amin'ny fiainan-tsy-hita ambany indrindra; mandevona ny tany sy ny vokatra ao aminy izany; mampirehitra ireo fototry ny tendrombohitra izany. 23 Hampivangongo loza eo amin'izy ireo Aho; hitifitra azy ireo amin'ny zana-tsipìkako rehetra Aho; 24 Ho fatin'ny hanoanana izy ireo ary ho levonin'ny hafanana mahamay sy fandravana mafaitra; Halefako ho eo amin'izy ireo koa ny nifin'ireo bibidia, miaraka amin'ny poizin'ny biby mandady amin'ny vovoka. 25 Hampahory any ivelany ny sabatra, ary hanao tahaka izany koa ny fampihorohoroana ao amin'ny efitra fatoriana. Handringana ny tovolahy sy ny virijiny izany, ny zaza minono, ary ny lehilahy fotsy volo. 26 Fa efa nolazaiko fa hampiely azy ireo lavitra Aho, ary hatsahatro tsy ho eo amin'ny olombelona ny fahatsiarovana azy ireo. 27 Raha tsy nohon'ny fahatahorako ny fiantsian'ny fahavalo, sy ny tsy hitsaran'ireo fahavalony azy ireo diso, ka hitenenan'izy ireo hoe: 'Misandratra ny tananay,' dia nataoko avokoa ireo rehetra ireo. 28 Fa firenena tsy hahitam-pahendrena Israely, ary tsy misy fahazavan-tsaina ao aminy. 29 Indrisy, raha mba hendry izy ireo, ka afaka nahatakatra izany, ka afaka nandinika izay hiafarany! 30 Ataon'ny iray ahoana ny hanenjika arivo, na ny roa hampandositra iray alina, raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, ary Yaveh no efa nahafoy azy ireo? 31 Fa ny vatolampin'ireo fahavalontsika dia tsy mitovy amin'ny Vatolampintsika, araka izay efa eken'ny fahavalontsika. 32 Fa ny voalobony dia avy amin'ny voalobok'i Sodoma, ary avy amin'ireo sahan'i Gomora; voaloboka misy poizina ny voalobony; ary mangidy ireo sampany. 33 Poizin'ny menarana ny divain'izy ireo ary poizi-mandozaben'ny menarana. 34 Tsy fikasana miafina notehiriziko ve izany, voaisy tombo-kase tao an-trano fitoeran-drakitro? 35 Ahy ny famaliana, sy ny fampanodiavana, amin'ny fotoana hahasolafaka ny tongotr'izy ireo; fa antomotra ny andro hahitan'izy ireo loza, ary hitranga faingana ireo zavatra voatendry ho azy ireo" 36 Satria Yaveh dia hanome rariny ny olony, ary hamindra fo amin'ireo mpanompony Izy. Ho hitany fa tsy manan-kery izy ireo, ary tsy nisy tafajanona, na ireo andevo na ny olon'afaka. 37 Dia hiteny Izy hoe: "aiza ireo andriamaniny, ny vatolampy izay nialofan'izy ireo? — 38 Ireo andriamanitra izay nihinana ny tavin'ireo sorona nataony sy nisotro ny divaim-panatitra ahidin'izy ireo? Aoka izy ireo hitsangana ka hanampy anareo; aoka izy ireo ho fiarovanareo. 39 Jereo ankehitriny fa Izaho, dia Izaho, ihany no Andriamanitra, ary tsy misy andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no mahafaty, ary Izaho no mahavelona; Izaho no mandratra, ary Izaho no manasitrana, ary tsy misy hafa afaka hamonjy anao amin'ny heriko. 40 Eny manandratra ny tanako ho amin'ny lanitra Aho ary miteny hoe: 'Satria velona mandrakizay Aho, dia hiasa. 41 Rehefa mandranitra ny sabatro manjelatra Aho, ary rehefa manomboka mitondra ny rariny ny tanako, dia hamaly ireo fahavaloko Aho, ary hovaliako ireo izay nankahala Ahy. 42 Hataoko mamon-drà ny zana-tsipìkako, ary ny sabatro hihinana nofo miaraka amin'ny ràn'ireo voavono sy ireo babo, ary hatramin'ny lohan'ireo mpitarika ny fahavalo."' 43 Miravoravoa, ianareo ry firenena, miaraka amin'ny vahoakan'Andriamanitra, fa hamaly ny ràn'ny mpanompony Izy; hamaly faty ireo fahavalony Izy, fa hanao fanavotana ho an'ny taniny Izy, dia ho an'ny olony. 44 Ary tonga Mosesy ka nitanisa ny teny rehetran'izany fihirana izany teo an-tsofin'ireo vahoaka, izy, sy Hosea zanaka lahin'i Nona. 45 Ary tapitra voatanisan'i Mosesy tamin'Israely manontolo izany teny rehetra izany. 46 Ary hoy Izy tamin'izy ireo: 'Hafantohy ao an-tsainareo ireo teny rehetra izay nijoroako vavolombelona taminareo androany, mba handidianareo ny zanakareo hitandrina an'izany, ny teny rehetra an'ity lalana ity. 47 Fa tsy zava-poana ho anareo izany, satria fiainanareo, fa amin'izany zavatra izany no hahalava ny andronao amin'ilay tany izay hiampitanao an'i Jordana ho fanananao." 48 Niresaka tamin'i Mosesy Yaveh tamin'io andro io ihany ka niteny hoe: 49 "Mandehana miakatra amin'ireo tendrombohotr'i Abarima, miakatra hatrany an-tendrombohitra Nebo, izay any amin'ny tanin'i Moaba, tandrifin'i Jeriko. Hitazana ny tany Kanana, izay homeko ireo zanak'Israely ho fananany ianao. 50 Ho faty eo amin'ny tendrombohitra izay hiakaranao ianao, ary ho voahangona eo amin'ireo vahoakanao, tahaka ny nahafatesan'i Arona Israelita namanao tany an-tendrombohitra Hora ka nahangona teo amin'ireo vahoakany. 51 Izany no hiseho satria ianao dia tsy nahatoky Ahy teo anatrehan'ireo vahoakan'Israely tany amin'ny ranon'i Meriba tany Kadesy, tany an'efitr'i Zina; satria ianao tsy nitondra Ahy tamim-boninahitra sy tamim-panajana teo anatrehan'ireo vahoakan'Israely. 52 Fa ho hitanao eo anoloanao ny tany, kanefa tsy handeha any ianao, any amin'ny tany izay homeko ny vahoakan'Israely."
Mosesy manao laha-teny amin'ny vahoakan'Israely.
Yaveh miresaka amin'ny lanitra sy ny tany toy ny hoe mihaino eo ireo. Ireo mety ho heviny dia 1) Yaveh dia miresaka amin'ireo mponin'ny lanitra sy ny tany na 2) Yaveh dia miresaka amin'ny lanitra sy ny tany toy ny hoe olona ireo.
Ity dia midika fa tian'i Yaveh ny vahoaka mba hanaiky am-paharisihana ny fampianarany izay manampy.
Mampiasà ny teny amin'ny fiteninao ho an'ny fisehon'ny ando.
rano izay miseho eny amin'ny ravin-kazo sy ahitra amin'ny maraina.
"zava-maniry vaovao"
orana mivatravatra.
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely.
Fomba fiteny ity. DH: "hilaza ny hatsaran'i Yaveh"
"haka antoka hoe fantatry ny olona fa lehibe ny Andriamanitsika"
Ity dia anarana izay nomen'i Mosesy an'i Yaveh, izay, toy ny vatolampy, dia matanjaka sy afaka miaro ny vahoakany.
"ny zavatra rehetra ataony"
"amin'ny fomba mahitsy no hanaovany ny zavatra rehetra"
Manana hevitra mitovy ireo teny roa ireo ary manamafy fa Yaveh dia manaraka ny rariny ary manao izay marina.
Mosesy manao laha-teny tsara amin'ny vahoakan'Israely. Manohy mampiasa fampitoviana Mosesy mba hanamafisana an'izay lazainy.
"nanohitra azy tamin'ny fanaovana ny tsy mety." Misy teny mitovy hita ao amin'ny 4:15.
Ireo teny hoe "simba toetra" sy "meloka" dia manana hevitra mitovy. Mosesy dia mampiasa an'ireo mba hanamafisana ny haratsiam-panahin'ilay taranaka. DH: "taranaka tena ratsy fanahy tanteraka"
Mampiasa fanontaniana Mosesy mba hibedesana an'ilay vahoaka. DH: "Tokony hanolotra fiderana mendrika an'i Yaveh ianareo ... tsy misy saina"
Ny teny hoe "adala" sy "tsy misy saina" dia manana hevitra mitovy ary manamafy ny fahadalan'ny vahoaka amin'ny tsy fankatoavana an'i Yaveh. DH: "ianareo vahoaka tena adala loatra"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
Mampiasa fanontaniana Mosesy mba hibedesana an'ilay vahoaka. Afaka atao fanambarana ity fanontaniana fampisainana ity. DH: "Yaveh no rainao ary Izy ilay iray izay naharay anao."
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
Fomba fiteny ity. DH: "Tadidio"
"andro efa ela." Mosesy dia maneho ny fotoana fahaveloman'ireo razamben'ny vahoakan'Israely.
Ity dia famerenana an'izay vao nolazain'i Mosesy tao amin'ny tapany teo aloha. Tian'i Mosesy ny vahoakan'Israely mba hifantoka amin'ny tantaran'izy ireo toy ny firenena.
"ho ataony mazava aminao izany" na "ho ataony takatrao izany"
Fomba fiteny ity. "nametrahana an'ireo firenena teo amin'ireo toerana izay hipetrahan'izy ireo." Misy teny mitovy hoe "omena anareo ho lova," hita ao amin'ny 4:21.
Andriamanitra dia nanendry vondron'olona tsirairay avy, niaraka tamin'ny sampin'izany, ho amin'ny faritaniny manokana. Amin'izany fomba izany dia nametra ny fisarihan'ireo sampin'ny vondrona iray Izy.
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Eo am-piresahana amin'ireo Israelita izy dia miresaka momba azy ireo toy ny hoe olona hafa izy ireo ary toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.
Mitovy hevitra ireo fehezanteny ireo ary afaka atambatra. DH: "Ny taranak'i Jakoba no lovan'i Yaveh"
"Hitany Jakoba ... niaro sy nikarakara azy ... niambina azy" Ity dia afaka adikanao toy ny hoe Mosesy dia niresaka momba ireo Israelita toy ny olona maro. "Hitany ireo razambentsika ... niaro sy nikarakara azy ireo ... niambina azy ireo"
Eto ny hoe "lao" dia maneho ny feon-drivotra mitsoka manerana an'ilay tany foana.
Fomba fiteny ity. Ny anakandriamaso dia maneho ny lafiny maizina ao anatin'ny anakandriamaso izay mahatonga ny olona hahita. Faritra tena manan-danja sy marefo ao amin'ny vatana io. Izany dia midika fa tena manan-danja amin'Andriamanitra ny vahoakan'Israely ary zavatra izay arovany. DH: "Niaro azy toy ny zavatra tena manan-danja sy sarobidy Izy"
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely.
Ity dia midika fa niambina sy niaro an'ireo Israelita i Yaveh tamin'izy ireo tany an'efitra.
Mosesy dia mbola miresaka an'ireo Israelita toy ny hoe "Jakoba" indray (32:9). Mety mila adikanao toy ny hoe miresaka an'ireo Israelita ho olona maro i Mosesy. "nitarika azy ireo ... niaraka tamin'izy ireo"
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely.
Fomba fiteny ity. Ny teny hoe "azy" dia maneho ny vahoakan'Israely. DH: "nampandehanan'i Yaveh teny amin'ireo toerana avon'ny tany izy ireo" na "nampin'i Yaveh izy ireo haka sy hibodo an'ilay tany"
Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita hoe "Jakoba" (32:9). Mety mila adikanao toy ny hoe miresaka an'ireo Israelita ho olona maro i Mosesy. "nampandeha an'ireo razambentsika ... namahana azy ireo ... namelona azy ireo"
"nentiny tany amin'ny tany feno vokatra izay afaka hohaniny izy"
Ilay tany dia feno tantely-dia, izay mamokatra tantely, miaraka amin'ny tohon-tantely ao anaty lavak'ireo vatolampy. Nisy hazo oliva maro koa tao, izay namokatra menaka, ary mitombo eo amin'ny vatolampy, havoana, ary tendrombohitra.
Izany dia tahaka ny reny manome ny tratrany ho an'ny zaza. "namela azy hitsetsitra tantely"
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Izy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Mosesy manohy miresaka an'ireo Israelita hoe "Jakoba" (32:9). Mety mila adikanao toy ny hoe miresaka an'ireo Israelita ho olona maro i Mosesy. "Nihinana ireo razambentsika"
Ny vahoakan'Israely dia nanana andiam-biby salama tsara maro.
Mosesy manohy manao ny laha-teny kantony amin'ny vahoakan'Israely.
Mosesy miresaka an'ireo Israelita toy ny hoe biby voafahana tsara izy ireo izay nantsoin'ny tompony hoe Jesorona izany. Ianao dia mety hanampy fanamarihana izay milaza hoe "Ny anarana hoe 'Jesorona' dia midika hoe 'ilay mahitsy.'" Raha toa ny fiteninao ka tsy afaka miresaka an'ireo Israelita hoe Jesorona, dia afaka maneho an'ireo Israelita hoe olona maro ianao, tahaka ny ataon'ny UDB.
Jesorona, ilay biby tsara fahana izay mitsipika raha tokony ho tsara fanahy dia sarinteny ho an'ireo Israelita izay nikomy na dia nikarakara tsara azy ireo aza Yaveh.
Mosesy dia mibedy an'ireo Israelita amin'ny fanaovana hira amin'i Jesorona. "nihanatavy ianao, lasa natavy kokoa ianao, ary lasa matavy araka izay tratranao"
Ity dia midika fa Yaveh dia matanjaka toy ny vatolampy ary afaka miaro ny vahoakany.
Ity dia anarana izay omen'i Mosesy an'i Yaveh, izay, toy ny vatolampy, dia matanjaka sy afaka miaro ny vahoakany. Adikao toy ny tao amin'ny 32:3 ity.
Nataon'ireo Israelita ho saro-piaro Yaveh.
Mosesy manohy manao laha-teny kanto amin'ireo Israelita.
"nanao sorona ny vahoakan'israely"
Ity dia midika fa vao nianatra momban'ireo andriamanitra ireo ny Israelita.
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona maro, noho izany dia "ianareo" no ampiasaina.
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Eto Yaveh dia nantsoina hoe ilay vatolampy satria Izy matanjaka sy miaro. DH: "nandao ny fiarovan'i Yaveh ianao"
Ity dia anarana izay omen'i Mosesy an'i Yaveh, izay, toy ny vatolampy, dia matanjaka sy afaka miaro ny vahoakany. Adikao toy ny tao amin'ny 32:3 ity.
Ity dia mampitaha an'i Yaveh amin'ny ray sy reny. Izany dia midika fa Yaveh dia nanao azy ireo mba ho velona sy ho firenena.DH: "izay nanao rainao ... izay nanome aina anao"
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely.
Ity dia maneho ny vahoakan'Israely izay nomen'i Yaveh aina sy nataony ho firenena.
Fomba fiteny ity. DH: "hivily amin'izy ireo Aho" na "hitsahatra tsy hanampy azy ireo Aho"
"ho hitako izay mitranga amin'izy ireo"
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Manohy mamerina ny tenin'i Yaveh izy.
Eto ny hoe "Ahy" dia maneho an'i Yaveh.
"tamin'ny andriamanitra sandoka"
Mety mila ataonao mazava tsara hoe inona ireo "zavatra." DH: "sampy tsy misy dikany"
"vahoaka izay tsy an'ny vondron'olona iray"
Adikao toy ny tao amin'ny 32:5 ny hoe "adala."
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Manohy milaza ny tenin'i Yaveh izy.
Yaveh dia mampitaha ny hatezerany amin'ny afo. Izany dia manamafy ny fahefany handrava an'izay mampahatezitra Azy.
DH: "mandrehitra afo Aho satria tezitra, ary mandoro izany ... mandevona ... mampirehitra" na "rehefa tezitra Aho, dia potehiko toy ny afo ireo fahavaloko, ary potehiko ny zavatra rehetra eo an-tany sy ... levoniko ... arehitro"
"na dia any amin'ny tontolon'ny maty aza"
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Manohy milaza ny tenin'i Yaveh izy.
Yaveh dia miresaka ireo zavatra ratsy izay hitranga amin'ireo Israelita toy ny hoe zavatra toy ny vovoka izay afaka havangongoniny eo ambonin'ireo Israelita izany. DH: "ho alaiko antoka fa hisy zavatra maro hitranga amin'izy ireo"
Eto Yaveh dia mampitaha an'ireo zavatra ratsy izay alainy antoka fa hitranga amin'ireo Israelita amin'ny olona mitifitra zana-tsipìka avy amin'ny tsipìka. DH: "Ho ataoko izay rehetra vitako mba hamonoana azy ireo"
DH: "halemy izy ireo ary ho faty satria noana"
Ireo mety ho hevitry ny hoe "hafanana mahamay" dia 1) hijaly amin'ny tazo ireo Israelita na 2) hafana tsy tahaka ny mahazatra ny andro mandritry ny main-tany sy mosary. DH: "Ho fatin'ny hanoanana izy ireo, ary handevona azy ireo ny hafanana mahamay sy loza mahatsiravina" na "Ho fatin'ny hanoanana izy ireo, ary ho fatin'ny hafanana mahamay sy loza mahatsiravina"
Ny nify sy poizina dia entina hilazana an'ireo biby izay mampiasa an'ireo zavatra ireo mba hamonoana. DH: "Handefa bibidia mba hamely azy ireo Aho, ary zavatra mandady amin'ny vovoka mba hamely sy hanapoizina azy ireo"
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Manohy milaza ny tenin'i Yaveh izy.
Eto ny hoe "sabatra" dia maneho ny tafiky ny fahavalo. DH: "Rehefa any ivelany ireo Israelita, dia hamono azy ireo ny tafika fahavalo"
Yaveh dia miresaka ny hoe matahotra toy ny hoe olona izay miditra ao an-trano ary mamono an'ireo izay mipetraka ao izany. DH: "ho faty ianao satria matahotra"
Ireo dia mamaritra ny olona samihafa taona ary nampiarahina mba hilazana fa ho faty avokoa ny karazan'olona rehetra.
"hataoko adinon'ny olona rehetra ny momba azy ireo"
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Manohy milaza ny tenin'i Yaveh izy.
"natahotra ny fiantsian'ny fahavalo aho"
DH: "fa hiantsy ahy ny fahavalo" na "fa hanao izay hampahatezitra ahy ny fahavalo"
Yaveh dia miresaka ny fahvalony toy ny hoe olona iray izy ireo. DH: "ny fahavaloko" na "ireo fahavaloko"
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ny hery sy fahefan'ny olona iray. Ny hoe misandratra dia fomba fiteny ny amin'ny fandresena fahavalo. DH: "Nandresy azy ireo izahay satria izahay mahery kokoa"
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Manohy milaza ny tenin'i Yaveh izy.
Mosesy dia milaza zavatra izay niriany mba ho marina, saingy fantany fa tsy hendry izy ireo ary tsy mahafantatra fa ny tsy fankatoavan'izy ireo dia hahatonga an'i Yaveh hitondra izany loza izany amin'izy ireo.
DH: "izay hitranga amin'izy ireo"
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Manohy milaza ny tenin'i Yaveh izy ary milaza azy ireo misimisy kokoa ny amin'izay mety ho azon'izy ireo raha hendry izy ireo (32:28).
Mampiasa fanontaniana Mosesy mba hibedesana ny vahoaka amin'ny tsy fahampian'ny fahendrena hahatakatra ny antony andresen'ny fahavalony azy ireo.
DH: "Ataon'ny miaramila fahavalo 1 ahoana ny hanenjika 1,000 amin'ny lehilahinao, sy ny miaramila fahavalo 2 hampandositra 1,000 amin'ny lehilahinao"
Ny teny hoe "Vatolampy" dia maneho an'i Yaveh izay matanjaka sy afaka miaro ny vahoakany. DH: "raha tsy hoe Yaveh, ilay Vatolampin'izy ireo, no nanolotra azy ireo"
Ny hoe "Vatolampy" dia anarana omen'i Mosesy an'i Yaveh, izay, toy ny vatolampy, dia matanjaka sy afaka miaro ny vahoakany. Adikao toy ny tao amin'ny 32:3 ny hoe "Vatolampy"
"tsy hoe isika irery no miteny izany, fa miteny izany koa ny fahavalontsika"
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Manohy milaza ny tenin'i Yaveh izy.
Mosesy dia mampitaha an'ireo fahavalo izay manompo andriamanitra diso amin'ireo olona ratsy fanahy izay mipetra any Sodoma sy Gomora ary amin'ireo voaloboka izay mamokatra voa misy poizina. Izany dia midika fa ratsy fanahy ny fahavalon'izy ireo ary hamono an'ireo Israelita ho faty raha toa ireo Israelita ka manomboka manao fihetsika tahaka an'ireo olona izay mipetra manodidina azy ireo.
Ny voaloboka dia sarinteny ho an'ny vondron'olona. "izany dia toy ny hoe tahom-boaloboka izay maniry eny an-tsahan'i Sodoma sy Gomora ny voalobok'izy ireo" na DH: "manao ratsy mitovy amin'ny nataon'ny vahoaka izay nipetraka tany Sodoma sy Gomora izy ireo"
"sampam-boalobony"
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Manohy milaza ny tenin'i Yaveh izy.
Mosesy manohy mampitaha an'ireo fahavalon'ny vahoakan'Israely amin'ireo tangozam-boaloboka izay mamokatra voa misy poizina sy divay. Izany dia midika fa ratsy fanahy ny fahavalon'izy ireo.
"bibilava"
Ity fanontaniana ity dia manamafy fa ny fikasan'i Yaveh ho an'ny vahoakan'Israely dia tsiambaratelo voatahiry tahaka ny harena sarobidy. DH: "Fantatro izay nokasaiko ho atao amin'ny vahoaka Israelita sy ny fahavalon'izy ireo, ary nohidiko toy ny anidin'ny olona ny hareny sarobidy ireo fikasana ireo."
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Ity no faran'ny filazan'i Mosesy ny tenin'i Yaveh izay nanomboka tao amin'ny 32:19.
Ny teny hoe "famaliana" sy "fampanodiavana" dia mitovy hevitra. DH: "hamalifaty sy hanasazy an'ireo fahavalon'Israely Aho"
fanasaziana na famaliana olona iray nohon'ny zavatra izay vitany
nisy zavatra ratsy nitranga tamin'izy ireo. DH: "tsy afa-manoatra izy ireo"
"fotoana ho Ahy handravana azy ireo"
Yaveh dia miresaka an'ireo zavatra ratsy izay hitranga amin'ireo fahavalony toy ny hoe vahoaka mihazakazaka am-paharisihana mba hanasazy azy ireo zavatra ratsy. DH: "ary hanasazy aingana azy ireo Aho"
Mosesy manohy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely.
DH: "Satria Yaveh dia hanao izay rariny ho an'ny vahoakany"
"hahatsapa Izy fa mila manampy an'ireo mpanompony Izy"
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely
Yaveh dia mibedy ny vahoakan'Israely tamin'ny fitadiavana fiarovana avy amin'ireo andriamanitra hafa. DH: "Indro, tsy tonga hanampy azy ireo ny andriamanitra izay noheverin'ireo Israelita fa hiaro azy ireo"
Eto Yaveh dia maneso ny vahoakan'Israely tamin'ny fanaovana fanatitra tamin'ireo andriamanitra hafa. DH: "ireo andriamanitra izay nomen'ireo Israelita hena sy divay dia tsy tonga nanampy azy ireo."
Yaveh dia milaza ity mba hanesoana an'ireo Israelita. Fantany fa ireo andriamaitra ireo dia tsy afaka hanampy azy ireo. DH: "Ireo sampy ireo dia tsy afaka ny hitsangana sy hanampy na hiaro anareo akory"
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely.
"Izaho, tenako" na "Izaho dia Izaho irery." Yaveh dia mamerina ny hoe "Izaho" mba hanamafisana fa Izy irery no Andriamanitra.
"manandratra ny tanako ho amin'ny lanitra Aho ary mianiana" na "nanao fianianana Aho." Ny hoe manandratra ny tanana dia famantarana ny fanaovana fianianana.
"Mianiana amin'ny fiainako izay tsy manam-pahataperana Aho." Ity fanambarana ity dia manome antoka ny olona fa izay lazain'Andriamanitra ao amin'ny 32:41-32:42 dia hitranga.
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely.
Ity dia midika fa Andriamanitra dia miomana ny hitsara sy hanasazy an'ireo fahavalony. DH: "rehefa mandranitra ny sabatro mamirapiratra Aho" na "rehefa vonona ny hitsara an'ireo fahavaloko Aho"
Eto ny hoe "tanana" dia maneho an'ilay olona mihitsy. DH: "rehefa vonona ny hitsara ny ratsy fanahy Aho"
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely.
Yaveh dia miresaka ny zana-tsipìka toy ny hoe olona izay afaka omeny toaka sy hamamoana izy ireo, ary ny sabatra toy ny hoe olona izay tena noana izany ka hihinana biby mialohan'ny andatsahana an'ilay rà hivoaka izy. Ireo sarinteny ireo dia entina hilazana miaramila mampiasa tsipìka sy sabatra mba hamonoana fahavalo maro. Izany indray dia sarinteny ho an'i Yaveh mamono an'ireo fahavalony any an'ady.
Ny mety ho heviny dia "hatramin'ireo mpitarika lava volon'ny fahavalo"
Ity no faran'ny laha-tenin'i Mosesy.
Mosesy dia miresaka amin'ireo vahoakan'ny firenena rehetra toy ny hoe mihaino izy ireo.
Eto ny hoe "ràn'ny mpanompony" dia maneho ny ain'ireo mpanompony tsy manan-tsiny izay novonoina. DH: "fa hamaly faty amin'ireo fahavalony izay namono an'ireo mpanompony Izy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "niteny ... voateny" na 2) nihira ... nohiraina"
Eto ny hoe "sofina" dia maneho an'ireo vahoaka mihitsy ary manamafy fa tian'i Mosesy ho azo antoka fa ren'izy ireo tsara ilay hira. DH: "tamin'ny vahoaka mba ho azo antoka fa ren'izy ireo izany"
"hoy Mosesy tamin'ny vahoakan'Israely"
Fomba fiteny ity. DH: "tandremo ireo" na "saino ny momba ny"
Ireo mety ho heviny dia 1) "izay nijoroako vavolombelona taminareo," maneho izay voalazan'i Yaveh fa ho ataony amin'ireo Israelita raha tsy mankato izy ireo, na 2) "izay nandidiako anareo," maneho an'izay nodidian'i Yaveh azy ireo mba atao.
"ny zanakareo sy ny taranakareo"
"izany lalàna izany"
DH: "zavatra tena manan-danja"
"satria ho velona ianareo raha mankato izany"
Ny andro lava dia sarinteny amin'ny hoe lava andro iainana. DH: "afaka hiaina fotoana ela." Adikao toy ny ao amin'ny 4:25 ireo teny ireo.
"Abarima ary miakatra ny Tendrombohitra Nebo"
Ity no toerana avo indrindra any amin'ireo Tendrombohitra Abarima.
"any amin'ny ilan'ny renirano avy eo Jeriko"
Yaveh mamarana miresaka amin'i Mosesy.
Ity dia fomba mihaja hilazana fa ny fanahin'i Mosesy dia hamonjy ny fanahin'ireo havany any amin'ny tanin'ny maty. DH: "hamonjy an'ireo razambenao izay maty talohanao"
Ity dia anaran-tendrombohitra any amin'ny sisin'i Edoma.
Ity dia anaran'ilay toerana any an'efitra izay tsy nankatoavan'i Mosesy an'Andriamanitra.
Ity dia anaran-tany efitra any amin'ny sisiny atsimon'i Joda.
1 Izao no tso-drano nataon'i Mosesy lehilahin'Andriamanitra tamin'ny vahoakan'Israely talohan'ny nahafatesany. 2 Hoy izy hoe: Avy tao Sinay i Yaveh ary niposaka avy tao Seira teo ambonin'izy ireo. Namirapiratra avy ao an-tendrombohitra Parana Izy, ary tonga niaraka tamin'ireo anjely masina iray alina. Tselatra no teo an-tanany havanana. 3 Eny, tia an'ireo vahoaka Izy, ireo anjeliny masina rehetra dia eo an-tananao avokoa, ary miankohoka eo an-tongotrao izy ireo; nandray ny teninao izy ireo. 4 Nandidy lalàna iray ho antsika i Mosesy, dia lova iray ho an'ny fiangonan'i Jakoba 5 Dia nisy mpanjaka tao Jesorona, rehefa nivory ireo loholon'ny vahoaka, ireo fokon'i Israely rehetra miaraka. 6 Aoka ho velona Robena ka tsy ho faty, nefa ho vitsy anie ireo olony. 7 Izao no tso-drano ho an'i Joda. Hoy Mosesy hoe: Henoy, ry Yaveh, ny feon'i Joda, ka ento eo amin'ny olony indray izy. Miadià ho azy; meteza ho fanampiana manohitra an'ireo fahavalony. 8 Momba an'i Levy kosa, dia hoy Mosesy hoe: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia an'ny olonao tsy mivadika, dia izay nizahanao toetra tao Masa, izay nifamalianao tao amin'ny ranon'i Meriba. 9 Ilay lehilahy izay nilaza momba ny rainy sy ny reniny hoe: "Tsy nahita azy ireo aho." Tsy nekeny na dia ireo rahalahiny aza, ary tsy noheveriny ireo zanany. Fa nitandrina ny teninao izy, ka nitàna ny fanekenao. 10 Nampianatra an'i Jakoba ny didinao Izy ary Israely ny lalànao. Hametraka dinti-kazo manitra eo anoloanao izy sy ny fanatitra dorana rehetra eo ambonin'ny alitaranao. 11 Tahio, ry Yaveh, ireo fananany, ary ekeo ny asan'ny tanany. Torotoroy ny valahan'izay mitsangana hanohitra azy, sy ny an'ireo olona izay mankahala azy, mba tsy ho tafatsangana indray izy ireo. 12 Ny amin'i Benjamina, dia hoy Mosesy hoe: Ilay malalan'i Yaveh dia mandry fahizay eo anilany; Yaveh no miaro azy mandrakariva, ary monina eo anelanelan'ny sandrin'i Yaveh izy. 13 Ny amin'i Josefa, dia hoy Mosesy hoe: Ho tahin'i Yaveh anie amin'ireo zava-tsoan'ny lanitra anie ny taniny, dia amin'ny ando, ary amin'ny rano lalina izay mamitsaka ambany. 14 Ho tahiana amin'ireo zava-tsoa izay vokatry ny masoandro anie ny taniny, amin'ireo zava-tsoa vokatr'ireo volana, 15 amin'ireo zavatra tsara indrindran'ireo tendrombohitra fahagola, ary amin'ireo zava-tsoan'ireo havoana maharitra mandrakizay. 16 Ho tahiana amin'ireo zava-tsoan'ny tany sy izay hareny anie ny taniny, ary amin'ny sitrapo tsaran'Izy izay tao amin'ilay voaroy. Aoka ny fitahiana ho eo an-dohan'i Josefa, ary ho eo an-tampon-dohan'ilay andriana teo amin'ireo rahalahiny. 17 Ny voalohan-teraky ny omby, dia be voninahitra izy, ary ireo tandrony dia tandrok'ombimanga. Amin'izany no hanotoany ny olona, izy rehetra, hatrany am-paran'ny tany. Ireo no an'alinalin'i Efraima; ireo no an'arivorivon'i Manase. 18 Ny amin'i Zebolona, dia hoy Mosesy hoe: Mifalia, ry zebolona, amin'izay halehanao, ary ianao, ry Isakara, ao an-dainao. 19 Hiantso ireo vahoaka ho any an-tendrombohitra izy ireo. Any no hanateran'izy ireo fanati-pahamarinana. Fa izy ireo no hitroka ireo haren-dranomasina, sy avy amin'ny fasika eo amoron-dranomasina. 20 Ny amin'i Gada dia hoy Mosesy hoe: Ho tahiana izay manitatra an'i Gada, honina any tahaka ny liona vavy izy, dia hamiravira sandry na loha eny izy. 21 Naka ny tsara indrindra ho an'ny tenany izy, fa tany no nanokanana ny zara-tanin'ny mpitarika. Tonga niaraka tamin'ireo lehiben'ny vahoaka izy. Notanterahiny niaraka tamin'Israely ny fahamarinan'i Yaveh mbamin'ireo didiny. 22 Ny amin'i Dana, dia hoy Mosesy hoe: i Dana dia zana-diona izay miantsampy avy any Basana. 23 Ny amin'i Naftaly, dia hoy Mosesy hoe: i Naftaly, voky fankasitrahana, sady feno ny fitahian'i Yaveh, mandovà ny tany hatrany andrefana sy atsimo. 24 Ny amin'i Asera, dia hoy Yaveh hoe: Ho tahiana mihoatra noho ny zanaka lahy hafa rehetra anie Asera; aoka ho hankasitrahan'ireo rahalahiny izy, ary aoka izy hanatsoboka ny tongony anaty menaka oliva. 25 Ho vy sy varahina anie ireo hidin'ny tanànanao; araka ny fahalavan'ireo andronao, no ho fahamaroan'ny filaminanao. 26 Ry Jesorona—ilay mahitsy, tsy misy tahaka an'Andriamanitra, izay mitaingina ny lanitra mba hamonjy anao, ary eny amin'ny rahona amin'ny fiandrianany. 27 Ilay Andriamanitra mandrakizay dia fialofana, ary ireo sandry mandrakizay no eo ambany. Mandroaka ny fahavalo tsy ho eo anoloanao Izy, ka manao hoe: "Aringano!" 28 Mandry fahizay Israely. Azo antoka ny loharanon'i Jakoba ao amin'ny tany misy vary sy divay vaovao; eny, aoka ny lanitrany handatsaka ando eo aminy. 29 Maro ireo fitahianao, ry Israely! Iza no tahaka anao, dia firenena voavonjin'i Yaveh, ilay ampingan'ny famonjenao, ary sabatry ny voninahitrao? Ho tonga hangovitra eo anoloanao ireo fahavalonao; dia hitsahinao ireo fitoerany avo.
Mosesy manomboka mitso-drano ny fokon'Israely. Ataon'i Mosesy miendrika tononkalo fohy ilay tsao-drano.
Mosesy dia mampitaha an'i Yaveh amin'ny masoandro miposaka. DH: "rehefa tonga avy any Sinay i Yaveh, dia nijery azy ireo tahaka ny masoandro rehefa miposaka avy ao Seira ary mamirapiratra avy any amin'ny Tendrombohitra Parana Izy"
"teo ambonin'ny vahoakan'Israely"
"anjely 10,000"
Ireo mety ho heviny hafa dia 1) "teo amin'ny tanany havanana dia nisy tselatr'afo" na 2) "Nomeny lalàn'afo izy ireo" na 3) "tonga avy any atsimo, ambanin'ireo tendrombohitra antsany Izy"
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely izay nanomboka tao amin'ny 33:1; ataon'i Mosesy miendrika tononkalo fohy ilay tso-drano.
Sarotra takarina ireto andalana ireto.
"ireo vahoakan'Israely"
Yaveh no teneina eto. DH: "Ireo anjely masin'i Yaveh rehetra dia eo an-tanany ... eo an-tongony ... ny teniny"
Ny tanana dia sarinteny ho an'ny hoe fahefana sy fiarovana. DH: "miaro ny anjeliny masina rehetra Ianao"
"fananana" na "fananana sarobidy"
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely, izay nanomboka tao amin'ny 33:1; ireo tso-drano dia tononkalo fohy.
Ny andalana faha 5 dia sarotra takarina.
"lasa mpanjaka Yaveh"
Ity dia anarana hafa ho an'Israely. Adikao toy ny tao amin'ny 32:15.
Ity dia manomboka ny tso-dranon'i Mosesy amin'ny fokon'Israely tsirairay.
Ity dia manomboka ny tso-dranon'i Mosesy amin'ny fokon'Israely tsirairay.
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely, izay nanomboka tao amin'ny 33:1; ireo tso-drano dia tononkalo fohy.
Eto ny hoe "feon'i Joda" dia maneho an'ireo antso sy vavaka nataon'ny vahoakan'i Joda. DH: "rehefa mivavaka Aminao ny vahoakan'i Joda"
Ny anarana hoe "fanampiana" dia afaka adika ho matoanteny. DH: "ampio izy hiady"
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely, izay nanomboka tao amin'ny 33:1; ireo tso-drano dia tononkalo fohy.
Ireo dia vato masina izay nentin'ireo mpisorona tao amin'ny tabernakeliny ary nampiasaina mba hahafantarana ny sitrapon'Andriamanitra. Yaveh no resahana eto.
"ny olonao masina" na "izay mitady izay hahafaly anao." Ity dia maneho ny fokon'i Levy.
Adikao toy ny tao amin'ny 6:16. Ny mpadika teny dia mety hanampy fanamarihana izay milaza hoe "Ny anarana hoe 'Masa" dia midika hoe 'fizahan-toetra.'"
Adikao toy ny tao amin'ny 32:50. Ny mpadika teny dia mety hanampy fanamarihana izay milaza hoe "Ny anarana hoe 'Meriba' dia midika hoe 'miady hevitra' na 'mifanditra.'"
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely, izay nanomboka tao amin'ny 33:1; ireo tso-drano dia tononkalo fohy. Manohy mamaritra ny fokon'i Levy izy, izay nanomboka tao amin'ny 33:8.
Eto ny hoe "teny" dia maneho an'ireo didin'i Yaveh. DH: "fa nankato an'ireo didinao izy ireo"
Ireo teny ireo dia samy midika hoe miambina sy miaro. Matetika ireo dia sarinteny ho an'ny hoe "nankato," fa eto ireo dia tokony adika ara-bakiteny satria maneho ny fotoana namonoan'ireo Levita ny vahoaka izay nikomy nanohitra an'i Yaveh.
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely; ireo tso-drano dia tononkalo fohy. Manohy mamaritra ny fokon'i Levy izy, izay nanomboka tao amin'ny 33:8.
Mosesy miresaka amin'i Yaveh, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely; ireo tso-drano dia tononkalo fohy. Manohy mamaritra ny fokon'i Levy izy, izay nanomboka tao amin'ny 33:8.
"mifalia amin'ny" na "mifalia hanaiky"
Eto ny hoe "tanany" dia maneho an'ilay olona mihitsy. DH: "ny asa rehetra izay ataony"
Ny valahana dia noraisina ho ivon'ny hery. DH: "esory ny herin'izay" na "ravao tokoa"
Nampiasaina indroa ity mba ho sarinteny. DH: "mitsangàna hiady ... hahatonga korontana bebe kokoa"
Fomba fiteny ity. DH: "miady hanohitra"
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely; tononkalo fohy ilay tso-drano.
Eto Mosesy dia maneho an'ireo mpikambana ao amin'ny fokon'i Benjamina. DH: "Ireo izay tian'i Yaveh dia mandy fahizay"
DH: "hipetraka eo amin'izay tsy misy afaka handratra azy"
Ireo mety ho heviny dia 1) Yaveh dia miaro ny fokon'i Benjamina amin'ny fahefany na 2) Yaveh dia mipetraka ao amin'ny faritra havoan'ny fokon'i Benjamina. Amin'ireo dika ireo ireo dia samy midika hoe mikarakara azy ireo Yaveh.
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely; tononkalo fohy ilay tso-drano.
Ity dia maneho ny fokon'i Efraima sy ny fokon'i Manase. Ireo foko roa ireo dia samy avy amin'ny taranak'i Josefa.
DH: "ho tahin'i Yaveh anie ny tanin'izy ireo"
"amin'ireo ando sarobidy avy any an-danitra" na "amin'ny orana sarobidy avy any an-danitra"
rano izay miseho eny amin'ny ravin-kazo sy ahitra amin'ny maraina. Adikao toy ny ao amin'ny 32:1.
Ity dia maneho ny rano ao ambanin'ny tany.
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely; ireo tso-drano dia tononkalo fohy. Manohy mamaritra ny fokon'i Josefa izy, izay natombony tao amin'ny 33:13.
DH: "Yaveh anie hitahy ny taniny." Adikao toy ny tao amin'ny 33:13.
"amin'ireo vokatra tsara indrindra izay ampanirian'ny masoandro"
"amin'ireo vokatra tsara indrindra izay maniry isam-bolana"
Mosesy dia mety maneho ireo sakafo vokatra. Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fanambarana ity. DH: "ireo voa tsara indrindra ... ireo voa sarobidy"
"ireo tendrombohitra izay efe nisy taloha ela be"
"ireo havoana izay hisy mandrakizay"
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely; ireo tso-drano dia tononkalo fohy. Manohy mamaritra ny fokon'i Josefa izy, izay natombony tao amin'ny 33:13.
DH: "Yaveh anie hitahy ny taniny." Adikao toy ny tao amin'ny 33:13.
DH: "izay mamokatra be ao amin'izany"
Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fanambarana ity. DH: "Yaveh, izay niresaka tamin'i Mosesy tao amin'ilay voaroy nirehitra"
Ity dia maneho lehilahy iray mametraka ny tanany eo an-dohan'ny zanaka lahy iray ary mangataka an'Andriamanitra mba hitso-drano an'ilay zanaka lahy. Yaveh ilay lehilahy eto. DH: "Yaveh anie hitso-drano an'i Josefa tahaka ny ray mitso-drano ny zanany lahy"
Eto ny hoe "loha" dia sy "tapon-doha" dia maneho ilay olona mihitsy ary maneho an'ireo taranak'i Josefa. DH: "ho eo amin'ireo taranak'i Josefa"
Dika mety hafa ny hoe "andrina"
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely; ireo tso-drano dia tononkalo fohy. Manohy mamaritra ny fokon'i Josefa izy, izay natombony tao amin'ny 33:13.
Ny omby dia sarinteny ho an'ny zavatra lehibe sy matanjaka. Ny teny hoe "voalohan-teraka" dia sarinteny ho an'ny voninahitra. DH: "ny olona dia hanome voninahitra ny taranak'i Josefa, izay maro sy mahery"
Ny tandroka dia sarinteny ho an'ny hery. DH: "izy dia matanjaka tahaka ny"
Ny hoe manoto amin'ny tandrony dia sarinteny ho an'ny hery. DH: "Matanjaka izy ka hanoto"
Ity dia midika fa ny fokon'i Efraima dia hatanjaka kokoa noho ny fokon'i Manase. DH: "ny vahoakan'i Efraima, izay niisa 10,000 imbetsaka ... ny fokon'i Manase, izay niisa 1,000 imbetsaka.
Mosesy manohy mitso-drano ny foko tsirairain'Israely; tononkalo fohy ilay tso-drano. Izy dia miresaka amin'ireo fokon'i Zebolona sy Isakara toy ny hoe olona iray ihany, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ny vahoakan'i Zebolona dia any akaikin'ny Ranomasina Mediteraneana. Niantsambo teny an-dranomasina izy ireo ary nivarotra tamin'ireo olona hafa. Ny vahoakan'Isakara dia nankafy ny fiainana am-pilaminana sy fiasana tany ary fiompiana biby fiompy.
"any izy ireo ho hanatitra"
"sorona azo ekena" na "fanatitra iombonana"
Ireo mety ho heviny dia 1) hivarotra amin'ireo olona manerana ny ranomasina izy ireo na 2) nanomboka nampiasa fasika izy ireo hanaovana vilany.
Ny teny Hebreo voadika hoe "mitroka" eto dia maneho ny fomba fihinan'ny zaza amin'ny nonon-dreniny. Izany dia midika fa ny olona dia hahazo harena avy amin'ny ranomasina tahaka ny zaza mahazo ronono amin'ny reniny.
Mosesy manohy mitso-drano ny fokon'Israely; tononkalo fohy ilay fitahiana.
DH: Ireo mety ho heviniy dia 1) "Yaveh anie hitahy an'i Gada ary hanome azy tany betsaka hipetrahana" na 2) "ny olona dia tokony hiteny fa Yaveh dia tsara satria nanome tany maro an'i Gada mba hipetrahana Izy"
Izany dia midika fa matanjaka sy voaaro ny vahoakan'i Gada, ary handresy ny fahavalony any an'ady izy ireo.
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely; tononkalo fohy ilay tso-drano. Manohy mamaritra ny fokon'i Gada toy ny olona iray Izy, izay natombony tao amin'ny 33:20.
Ity dia midika hoe ampaha-tany iray lehibe izay alain'ny mpitarika raha ny tena izy.
"nihaona tamin'ireo mpitarika rehetran'ireo Israelita izy"
"nankato izay rehetra nandidian'i Yaveh an'ireo Israelita izy ireo"
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely; tononkalo fohy ilay tso-drano.
Ny vahoakan'i Dana dia matanjaka tahaka ny zana-diona, ary manafika ny fahavalon'izy ireo izay monina any Basana izy ireo.
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely; tononkalo fohy ilay tso-drano. Izy dia miresaka an'ireo taranak'i Naftaly toy ny hoe olona iray izy ireo.
Yaveh faly amin'i Naftaly dia resahina toy ny hoe sakafo izay hohanin'i Naftaly mandra-pahatsy noana azy instony ilay "sitraka." DH: "izay manana ny zavatra tsara rehetra niriany satria faly aminy Yaveh"
Ny fitahiana dia resahina toy ny hoe sakafo izay nohanin'i Naftaly mandra-pahavoky azy izany. DH: "izay notahian'i Yaveh ka manana izay ilainy rehetra izy"
Ity dia maneho an'ilay tany manodidina ny farihin'i Galilia. Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity.
Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely; tononkalo fohy ilay tso-drano.
Ny menaka oliva dia nampiasaina ho an'ny sakafo sy ny hoditry ny tava sy tanana. Naloto ny tongotra, noho izany dia fanimbana zavatra sarobidy ny fanosorana menaka oliva amin'ny tongotra. Afaka atao mazava tsara ny hevitra fenon'ity fanambarana ity. DH: "manana menaka oliva maro ka vitany ny nandanindany izany"
Mosesy miresaka amin'ny fokon'i Asera toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ny tanàna dia nanana hidy vy lehibe teo amin'ny vavahadin'izy ireo mba hihazonana ny fahavalo any ivelany. Afaka atao mazava ny hevitr'ity fanambarana ity. DH: "Ho voaaro amin'ny fanafihan'ny fahavalonao anie ianao"
Ity dia anarana hafa ho an'ny vahoakan'Israely. Izany dia midika hoe "ilay mahitsy." Adikao toy ny tao amin'ny 32:15.
Ity dia sarin'i Yaveh mitaingina rahona manerana ny lanitra toy ny mpanjaka eo ambonin'ny kalesiny mandeha manerana ny tanin'ady. DH: "mitaingina manerana ny lanitra toy ny mpanjaka mitaingina kalesy eo amin'ny tanin'ady ... eo amin'ny rahona toy ny mpanjaka eo ambonin'ny kalesiny.
Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
Ny anarana hoe "fialofana" dia midika hoe toerana azo antoka amin'ny loza. DH: "Ilay Andriamanitra mandrakizay dia hiaro ny vahoakany"
Ny hoe "sandry mandrakizay" dia sarinteny ho an'ny fampanantenan'i Yaveh hiaro ny vahoakany mandrakizay. DH: "hamatsy sy hikarakara ny vahoakany mandrakizay Izy"
Mosesy dia miresaka ny ho avy toy ny hoe lasa izany mba hanamafisana fa hitranga izy lazainy. DH: "Handroaka ... hanao hoe"
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
DH: "hiteny anao mba handringana azy ireo Izy!"
Ireo mety ho heviny dia 1) Mosesy dia miresaka ny ho avy toy ny hoe lasa izany mba hanamafisana fa hitranga izay lazainy, "Handry fahizay Israely. Ho azo antoka ny loharanon'i Jakoba" na 2) Mosesy dia mitso-drano an'Israely hoe: "Handry fahizay anie Israely. Ary ho azo antoka anie ny loharanon'i Jakoba."
Ireo mety ho heviny dia 1) tranon'i Jakoba na 2) taranak'i Jakoba.
Ny ando dia resahina toy ny hoe be loatra ka toy ny hoe avy any orana. Ireo mety ho heviny dia 1) Mosesy dia mitso-drano an'Israely hoe "aoka hisy ando maro handrakotra ny tany tahaka ny orana" na 2) Mosesy dia milaza an'izay hitranga amin'ny ho avy hoe: "hisy ando maro handrakotra ny tany tahaka ny orana."
Rano miseho eny amin'ny ravin-kazo sy ahitra amin'ny maraina. Adikao toy ny tao amin'ny 32:1.
Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto.
Ity fanontaniana fampisainana ity dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy misy vondron'olona hafa tahaka anao, dia vahoaka izay novonjen'i Yaveh ... voninahitrao."
Ity dia miresaka an'i Yaveh miaro an'ireo Israelita amin'ny fahavalon'izy ireo ary manome fahafahana azy ireo hanafika ny fahavalony.
Ny teny hoe "ampinga" dia sarinteny ho an'i Yaveh miaro an'ireo Israelita. DH: "Ilay miaro anao sy manampy anao"
Ny teny hoe "sabatra" dia sarinteny ho an'ny fahefana hamono amin'ilay sabatra mba handresena ady. DH: "ilay manome fahafahana anao handresy ady ka hanana voninahitra"
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo Israelita dia handrava an'ireo toerana izay hanompoan'ireo vahoaka hafa an'ireo andriamanitra diso na 2) ireo Israelita dia handeha ao aorian'ireo fahavalony rehefa mandresy azy ireo ny Israelita.
1 Dia niakatra avy any amin'ny tany lemak'i Moaba nankany amin'ny Tendrombohitra Nebo, nankany an-tampon'i Pisga, izay tandrifin'i Jeriko i Mosesy. Tany Yaveh no nampiseho taminy ny tanin'i Gileada rehetra ka hatrany Dana, 2 sy Naftaly rehetra, ary ny tanin'i Efraima sy Manase, sy ny tanin'i Joda rehetra, mankany amin'ny ranomasina andrefana, 3 sy any Negeva, ary ny tany lemaky ny lohasahan'i Jeriko, ny Tanànan'ny Rofia, ka hatrany Zoara. 4 Hoy Yaveh taminy hoe: "Ity ny tany izay nianianako tamin'i Abrahama, Isaka, sy Jakoba, nanao hoe: 'Homeko ny taranakareo ity.' Navelako hijery izany tamin'ny masonareo ianareo, saingy tsy handeha any." 5 Ary dia maty tao amin'ny tanin'i Moaba i Mosesy, araka ny teny nampanantenain'i Yaveh. 6 Nalevin'i Yaveh tao amin'ny lohasaha ao amin'ny tanin'i Moaba manandrify an'i Beti- peora izy, fa tsy nisy nahalala izay misy ny fasany mandrak'ankehitriny. 7 Roapolo amby zato taona i Mosesy tamin'izy maty; tsy pahina ny masony, na nihena ny hery voajanahariny. 8 Nisaona an'i Mosesy tany amin'ny tany lemak'i Moaba nandritry ny telopolo andro ny vahoakan'Israely, avy eo tapitra ireo andro fisaonana an'i Mosesy. 9 Feno ny fanahin'ny fahendrena i Josoa zanaka lahin'i Nona, satria nametra-tanana taminy Mosesy. Nihaino azy ny vahoakan'Israely ary nanao izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 10 Tsy nisy mpaminany tahaka an'i Mosesy mihitsy tao Israely, izay fantatr'i Yaveh nifanatrika taminy. 11 Tsy mbola nisy mpaminany toa azy tamin'ireo famantarana sy fahagagana rehetra izay nanirahan'i Yaveh azy mba hatao any amin'ny tany Egypta, any amin'i Farao, sy ireo mpanompony rehetra, ary any amin'ny taniny rehetra. 12 Tsy mbola nisy mpaminany tahaka azy amin'ny asa lehibe rehetra sy mampatahotra izay nataon'i Mosesy teo imason'Israely rehetra.
Ity no tendrony avo indrindran'ny Tendrombohitra Pisga izay any amin'ny lafiny avaratry ny tendrombohitra Abarima. Adikao toy ny tao amin'ny 32:48.
Adikao toy ny tao amin'ny 3:17.
Ity dia anarana hafa ho an'i Jeriko.
Tanàna any Moaba ity. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 3:28.
"ho hitanareo"
Ity dia maneho ny fotoana izay nanoratana na nanotana ity, fa tsy amin'izao fotoana taonjato fahiraika amby roapolo izao.
"120 taona ... 30 andro"
Ity dia midika fa mbola natanjaka sy salama ny masony sy ny vatany.
Adikao toy ny tao amin'ny 1:37.
Ny mpanoratra dia miresaka toy ny hoe fitoeran-javatra i Josoa ary ilay fanahy dia zavatra azo tsapain-tanana izay afaka apetraka ao anaty fitoeran-javatra. DH: "Yaveh dia nanome fahafahana an'i Josoa mba ho tena hendry"
Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fehezanteny ity. DH: "Nampetraka ny tanany teo aminy Mosesy mba hanokanana an'i Josoa mba hanompo an'i Yaveh i Josoa.
Fomba fiteny ity. Izany dia midika fa Yaveh sy Mosesy dia nanana fifandraisana akaiky.
"izay nanao ny asa lehibe rehetra"
1 Ary taorian'ny nahafatesan'i Mosesy mpanompon'i Yaveh, dia niresaka tamin'i Josoa zanak'i Nona i Yaveh, lehiben'ny mpanampin'i Mosesy, niteny hoe: 2 "Mosesy, ilay mpanompoko, dia efa maty. Ankehitriny ary, mitsangàna, mità an'ity Jordana ity, ianao sy ity vahoaka ity, ho any amin'ilay tany izay homeko azy ireo—dia ho an'ireo vahoakan'Israely. 3 Efa nomeko anao ireo toerana rehetra izay handehanan'ny tongotrareo. Efa nomeko anareo izany, araka ny efa nampanantenaiko an'i Mosesy. 4 Hatrany any an-tany efitra sy Libanona, sy ireo renirano lehibe, ny Eofrata, ny tanin'ny Hetita rehetra, ka hatrany amin'ny Ranomasina Lehibe, izay hilentehan'ny masoandro, dia ho taninareo. 5 Tsy hisy olona ho afa-mijoro eo anoloanao amin'ireo androm-piainanao. Homba anao Aho tahaka ny nombako an'i Mosesy. Tsy hanary anao Aho na handao anao. 6 Mahereza sy matanjaha. Fa ianao dia hampandova an'ity vahoaka ity ny tany izay efa nampanantenaiko ireo razanao fa homeko azy ireo. 7 Mahereza sy matanjaha. Mitandrema mba hankatò ny lalàna rehetra izay nandidian'i Mosesy mpanompoko. Aza miala amin'izany na ho amin'ny anakavia na ho amin'ny ankavanana, mba hahomby ianao na aiza na aiza alehanao. 8 Hilaza momba an'ity bokin'ny lalàna ity mandrakariva ianao. Hisaintsaina andro aman'alina amin'izany ianao mba hahafahanao mankatò izay rehetra voasoratra ao amin'izany. Dia ho ambinina sy hahomby ianao. 9 Moa ve tsy efa nandidy anao Aho? Mahereza sy matanjaha! Aza matahotra. Aza kivy. Yaveh Andriamanitrao dia homba anao na aiza na aiza alehanao." 10 Avy Josoa nandidy ilay mpitarika ny vahoaka hoe: 11 "Mandehana mamakivaky ny toby ary mibaikoa ireo vahoaka hoe: 'Manomana vatsy ho an'ny tenanareo. Afaka hateloana dia hiampita an'ity Jordana ity ianareo ary handeha any ka haka ireo tany izay omen'i Yaveh Andrimanitrareo ho fananana." 12 Ho an'ireo Robenita, ireo Gadita sy ny atsasaky ny fokon'i Manase, dia hoy i Josoa hoe: 13 "Ataovy an-tsaina ny teny izay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh anareo rehefa niteny izy hoe: 'Yaveh Andriamanitrareo dia efa nanome fitsaharana, ary omeny anareo izany tany izany.' 14 Ny vadinareo, ireo zaza madinikareo, sy ireo biby fiompinareo dia hitoetra any amin'ny tany izay nomen'i Mosesy anareo any an-dafin'i Jordana. Fa ireo lehilahy mpiadinareo dia handeha hiaraka amin'ireo rahalahinareo ary hanampy azy ireo 15 mandra-panomezan'i Yaveh fitsaharana ho an'ireo rahalahinareo toy ny efa nanomezany izany anareo. Ary izy ireo dia haka ho fananana ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo azy ireo. Avy eo dia hiverina any amin'ny taninareo ianareo ary haka izany ho fananana, ilay tany izay nomen'i Mosesy mpanompon'i Yaveh anareo any an-dafin'i Jordana, izay hiposahan'ny masoandro." 16 Avy eo izy ireo namaly an'i Josoa, nanao hoe: "Ireo rehetra izay nandidianao anay dia hataonay, ary na aiza na aiza anirahanao anay dia halehanay. 17 Hankatò anao izahay tahaka ny nankatoavanay an'i Mosesy. 18 Na iza na iza mikomy ireo didinao sy tsy mankatò ireo teninao dia vonoina ho faty. Mahereza ary manàna herim-po fotsiny ihany."
Izany dia ananran'Andriamanitra izay niseho tamin'ny vahoaka tany amin'ny testamenta taloha. Jereo ny pejy dikan-teny mahakasika an'i Yaveh hoe ahoana no handikana izany.
Rain'i Josoa
"Mità" dia midika hoe "Mandeha andilan'ny renirano." D.H: "Mandeha avy any an-tsisiny ka hatrany amin'ny andilanèny Jordana"
Ny teny "ianao" dia maneho an'iJosoa.
Omen'Andriamanitra an'ireo Israelita ny tany amin'ny ho avy efa noresahina araka ny efa nomeny azy azy ireo tany amin'ny lasa. Ity fanehoana izay homeny azy ireo tanteraka. D.H: "Homeko anao ny toerana rehetra"
Ny teny "ianareo" dia maneho an'ny Josoa sy ny tanànan'Israely mitambatra.
Izany dia maneho ireo tanàna rehetra handehanan'i Josoa sy ireo Israelita rehefa manadalo ny reniranon'ny Jordana izy ireo. D.H: "Na aiza na aiza alehanareo amin'ity tany ity."
Miresaka amin'i Josoa hatrany i Yaveh
Ny teny "anareo" dia maneho ny fokon'Israely ary tsy i Josoa irery ihany.
Ao amin'ny anadalana faha 5 ny teny "ianao" sy "anao" dia maneho an'i Josoa.
Ny teny "hanary" sy "handao" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Natambatr'i Yaveh ireo mba anamarihana izay tsy hanaovany ireo zavatra ireo. D.H: "Dia hitoetra eo aminao mandrakizay aho"
Omen'i Yaveh ireo karazana baiko i Josoa
Yaveh nibaiko an'i Josoa mba handresy ny tahony amin'ny tanjany.
Izany dia mety afaka ilazana baiko tsara. D.H: "Araho tanteraka izany" na "Araho tantreraka izy ireo"
"tratraro ny tanjonao" na "tongava amin'ny tanjonao"
Yaveh miresaka amin'ny Josoa hatrany.
Izany dia midika fa tokony hilaza ny bokin'ny lalàna matetika i Josoa. Ny teny "mandrakariva" dia manampy fanasongadinana na fanamafisana.
Ireo teny ireo dia midika fitovian-javatra amin'ny ankapobeny ary manasongadina fahombiazana lehibe.
Izany dia maneho an'i Yaveh mandidy an'i Josoa. D.H: "Efa nandidy anao Aho!"
Yaveh mibaiko an'i Josoa.
Ireo anjara apetraka dia mety afaka maneho toy ireo anajara ankolaka. D.H: "Mandehana mamakivaky ny toby ary mibaiko ireo vahoaka mba hanomana vatsy ho azy ireo. Afaka hateloana dia hamakivaky ity Jordana ary handeha ka haka ireo tany izay omen'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo ho fananana."
"ny vahoakan'Israely"
Eto dia nikaonty ny androny anio ho toy ny andro iray i Josoa. D.H: "Roa andro mandrakandroany" na "Iray amin'ny andro aorian'ny rahampitso"
"hiampita" dia maneho ny fakanesana mankany amin'ny andilan'ny renirano. D.H: "mamakivaky mankany amin'ny andilan'ny Reniranon'i Jordana hafa"
Ireo fokon'i Robenita, Gadita sy ny atsasakin'ny fokon'ny Manase misafidy mba hametraka ny antsinanan'ny Reniranon'i Jordana.
Ireo dia taranak'ireo Robena.
Ireo dia taraanak'ireo Gada.
Mbola miresaka ami'ireo Robenita, Gadita, ary ny atsakin'ny fokon'i Manase hatrany i Josoa.
"ireo zazakely nareo"
Izany dia maneho ny andilana atsinanan-ny Reninranon'i Jordana. Ireo farany indrindra tamin'ireo Israelita dia tsy maintsy mitoetra any andrefan'ny Jordana, ka "andafin'ny Jordana" no niantsoan'izy ireo azy. Fa hatramin'izao dia mbola tany antsinanan'i Jordana hatrany izy ireo. D.H: ""atsinanan'ny Reniranon'ny Jordana"
Izany dia maneho ny adin'ny Israely tamin'ireo fahavalony rehetra nitoetra tany Kanaana izay mba handresen'izy ireo.
Izany dia maneho mba hiainan'izy ireo ny fiainany ivelan'ny tany an-kalalahana.
Izany dia maneho ny ilany atsinanan'ny reniranon'ny Jordana.
Ireo Israelita ihany no tena Rebonita, Gadita, ary ny atsasakin'ny fokon'i Manase izay namaly an'i Josoa.
Ireo fahezanteny roa ireo amin'ny ankapobeny dia zavatra mitovy ary manasongadina izay karazana tsy fankatoavana ka ho voasazy.
Izany dia mety azo lazaina ho tso-drafitra. D.H: "dia vonoina ho faty isika"
Israely sy Andriamanitra dia nihevitra ireo toetra tsara mitambatra ho an'i Josoa mba hanaraka azy toy ny mpitarika azy ireo.
1 Dia Josoa zanaka lahin'i Nona naniraka roa lahy mangingina avy any Sitima toy ny mpitsikilo. Hoy izy hoe: "Mandehana, zahao ny tany, indrindra fa Jeriko." Dia lasa izy ireo ary tonga tao an-tranon'ny mpivaro-tena iray antsoina hoe Rahaba, dia nipetraka tao izy ireo. 2 Nolazaina tamin'ny mpanjakan'i Jeriko hoe: "Indro, tonga eto ny lehilahin'Israely mba hitsikilo ny tany." 3 Dia nandefa hafatra tamin'i Rahaba ilay mpanjakan'i Jeriko ary nanao hoe: "Ento mivoaka ireo lehilahy izay tonga teo aminao sy niditra tao an-tranonao ireo, satria tonga mba hitsikilo ny tany iray manontolo izy ireo." 4 Fa nalain-dravehivavy ireo roa lahy ka nafeniny. Namaly izy hoe: "Eny, tonga tato amiko ireo lehilahy, saingy tsy nahafantatra izay niavian'izy ireo aho. 5 Lasa izy ireo nony hariva, tamin'ny fotoana nihidian'ny vavahadin'ny tanàna. Tsy fantatro izay nalehan'izy ireo. Mety ho tratranao izy ireo raha manaraka faingana azy ireo ianao." 6 Kanefa nampiakariny tao an-tafon-trano izy ireo ary nafeniny tao amin'ireo tahon-drongony izay efa novelariny teo amin'ilay tafon-trano. 7 Koa dia nanenjika azy ireo teny an-dalana nankany amin'ny lakan-dranon'ny Jordana ireo lehilahy. Vao tafavoaka ireo mpanenjika dia nihidy ny vavahady. 8 Tsy mbola natory ireo lehilahy ny alina, rehefa tonga niakatra tao amin'izy ireo tao an-tafon-trano ilay vehivavy. 9 Hoy izy hoe: "Fantatro fa nomen'i Yaveh anareo ny tany ary tonga teto aminay ny tahotra anareo. Halemy eo anatrehanareo ireo rehetra mipetraka eto amin'ny tany. 10 Renay ny fomba nanamainan'i Yaveh an'ilay Ranomasina Mena ho anareo rehefa nivoaka avy tao Egypta ianareo. Renay ihany koa ny nataonareo tamin'ireo mpanjakan'ny Amorita roa teny ampitan'i Jordana—dia Sihona sy Oga—izay naringanareo tanteraka. 11 Vantany vao renay izany, dia nalemy ny fonay ary tsy nisy herim-po tavela tao amin'iza na iza—fa Yaveh Andriamanitrareo, dia Andriamanitra any an-danitra ambony any sy ety an-tany ambany ety. 12 Ankehitriny ary, mba ianiano amiko amin'ny alalan'i Yaveh re, halemy fanahy amin'ny ankohonan-draiko ianareo, araka ny hatsaram-panahiko taminareo ihany. Omeo famantarana azo antoka aho 13 fa hamindra fo amin'ny ain'ny raiko, ny reniko, ireo anadahiko, anabaviko, sy ny fianakaviany rehetra ianareo, ary hanavotra anay amin'ny fahafatesana." 14 Dia hoy ireo lehilahy taminy hoe: "Ho takalo amin'ny ainareo ny ainay, na dia ho amin'ny fahafatesana aza! Raha tsy miresaka momban'ny raharahanay ianao, dia ho feno famindram-po sy hahatoky anareo izahay rehefa omen'i Yaveh anay ity tany ity." 15 Dia namela azy ireo hidina hivoaka teo amin'ny varavaran-kely tamin'ny fampiasana tady izy. Niorina teo amin'ny mandan'ilay tanàna ilay trano izay nonenany. 16 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana eny amin'ny havoana ary miafena raha tsy izany ho hitan'ireo mpanenjika ianareo. Miafena any mandritra ny telo andro mandra-piverin'ireo mpanenjika. Avy eo dia tohizo ny lalanareo." 17 Hoy ireo lehilahy taminy hoe: "Tsy ho voafatotra amin'ny fampanantenan'ilay fianianana izay nasainao nianiananay izahay, raha toa ka tsy manao izao ianao. 18 Rehefa tonga eto amin'ny tany izahay, dia tsy maintsy fatoranao eo am-baravarakely ity tady mena izay hampidinanao anay ity, ary hangoninao ato an-trano ny rainao sy ny reninao, ireo anadahinao sy ny ankohonan'ny rainao rehetra. 19 Na iza na iza mivoaka ny varavaran'ny tranonao ho eny an-dalna, dia ho eo an-dohan'izy ireo manokana ny ràny ary tsy ho meloka izahay. Fa raha misy tanana mitsotra eo amin'izay rehetra miaraka aminao ato an-trano, dia ho eo an-dohanay ny ràny. 20 Fa raha miresaka momba ny raharahanay ianao, dia ho afaka amin'ilay fianianana izay nampianiananao anay izahay." 21 Dia namaly Rahaba hoe: "Hatao anie izay voalazanareo." Nalefany izy ireo ka lasa. Avy eo namatotra ilay tady mena teo am-baravarankely izy. 22 Lasa izy ireo ary nandeha niakatra tany amin'ireo havoana ka nijanona teny nandritra ny telo andro mandra-piverin'ireo mpanenjik'izy ireo. Nitady nanerana ny lalana rehetra ireo mpanenjika ary tsy nahita na inona na inona. 23 Dia niverina ireo lehilahy roa ary niampita ka tafaverina tany amin'i Josoa zanak'i Nona, dia nolazain'izy ireo taminy ny zavatra rehetra izay nitranga tamin'izy ireo. 24 Hoy izy ireo tamin'i Josoa hoe: "Efa natolotr'i Yaveh antsika tokoa io tany io. Malemy avokoa ireo mponina rehetra ao amin'ilay tany noho ny amintsika."
Rain'i Josoa izany.
Izany dia anaran-toerana any andilana atsinanan'ny Reniranon'ny Jordana. Midika ho "Hazo Akasia"
Ireo lehilahy ireo dia nitsidika ny tany hoe ahoana no tokony handresen'ny Israely ny tany.
Rahaba mpivaro-tena miaro ireo Israelita mpitsikilo roa lahy avy any harama
Niseho izany talohan'ny niresahan'ny mpitondra hafatry ny mpanjaka taminy.
Izany dia maneho an'i Rahaba, mpivaro-tena.
Izany dia fotoana izay fiatomboan'ny andro hivadika ho maizin'ny alina.
Izany dia vaovao fototra sy fanazavana hoe ahoana no nanafenany an-dralehilahy tao.
Ny tafon-trano dia fisaka ary mafy, ka mahazo mandeha eo aminy ny olona.
zava-maniry izay mitombo amin'ny tahony, izay fampiasa amin'ny fanaovana akanjo.
Nanaraka ireo mpitsikilo ireo lehilahy noho ny efa nolazain'i Rahaba azy ireo tao.
faritra izay marivo amin'ny renirano na ny ranobe hoan'ny olona mba azahoana mandeha manaraka amin'ny sisin'izany
Izany dia maneho ny hatoriana mandritry ny alina.
Ny teny "ianareo" dia maneho ny vahoakan'Israelita rehetra.
"tahotra dia mety afaka maneho fahasamihafana. D.H: "matahotra anao izahay"
Izany dia mampitaha ny tahotry ny olona amin'ny fitsonihana sy fitondraky ny rano mandry. Mety midika ihany koa hoe 1)tsy hanan-kery eo amin'ny fanatrehan'ny Israelita izy ireo na 2)hiahiahy izy ireo. D.H: "mety hatahotra saingy tsy hanohitra anao izy ireo"
Mbola miresaka amin'ireo mpitsikilo Israelita hatrany i Rahaba.
Izany dia anarana hafa an'ny Ranomasina mena
Ireo dia anaran'ireo Amorita mpanjaka.
Ireo fehezanteny ireo dia mizara dika mitiovy, natambatra ho amin'ny fanasongadinana. Ny fehezanteny "nitsonika ny fonay" dia mitaha amin'ny tahotry ny fon'ny olon'ny Jeriko amin'ny fitsonika sy fikorian'ny rano mandry.
Mbola miresaka amin'ireo mpitsikilo Israelita hatrany i Rahaba
Ireo dia fanambarana mitovy an'i Rahaba mitady fanomezan-toky avy amin'ireo mpitsikilo.
Ny teny "ianareo" dia maneho an'ireo mpitsikilo roalahy.
mihaja kokoa ilay fiteny hoe: "aza vonoina izahay"
Ireo Israelita nanao fapanantenana arak'izay nangatahan'i Rahaba.
izany fomba fiteny izany dia fianianana sy fangatahana amin'Andriamanitra mba hanozonana azy ireo raha tsy mitazona ny fampanantenany izy ireo. D.H: "Raha tsy manao izay ampanantenainay izahay, endrey hahatonga anay ho faty Yaveh.
Mbola miresaka amin'i Rahaba hatrany ireo mpitsikilo Israelita.
Izany dia maneho toe-javatra ho amin'ny fampanantenana efa nataon'ny mpitsikilo tamin'i Rahaba. Ny teny "izany," dia maneho "avereno ity tady mena amin'ny faravaran-kely ity."
Ny mpitsikilo Israelita manazava ny toe-javatra asehon'izy ireo.
Mbola miresaka amin'i Rahaba hatrany ireo mpitsikilo Israelita.
Ity fehezanteny ity dia maneho toe-javatra iray, famoronana filazana ny zava-misy.
Eto "rà" dia manambara fahafatesan'olona. Tompon'andraikitra amin'ny fahafatesan'izy ireo manokana ny resaka toy ny hoe rà izay tsy maintsy eo an-dohan'izy ireo. D.H: "ny fahafatesan'izy ireo ihany no ho tsininy"
"tsy hanan-tsiny izahay"
Eto "ny tanana mitsotra" dia maneho haja kokoa hahatonga ratran'olona. D.H: "raha mahatonga ratra amin'ny rehetra izahay"
Mbola miresaka amin'i Rahaba hatrany ireo mpitsikilo Israelita roa makasika ny fampanantenan'izy ireo taminy.
Nitaky ny mba tsy hiteny teny mahakasika ny fitsidihan'izy ireo tamin'i Rahaba ireo mpitsikililo na mba halalaka ny amin'ny voadiny izy ireo hiarovana ny finakavian'i Rahaba.
"Ianao" dia maneho an'i Rahaba.
Nanaiky ny amin'ny filazana ny voady hiarovana ny finakaviany i Rahaba.
Niala an'ny Jeriko ireo mpitsikilo roalahin'ny Israelita.
"niverina tany amin'ny tanàna ny mpanenjik'izy ireo, tany Jeriko."
Izany dia maneho ilay olona tsy nahita an'ireo mpitsikilo.
Niverina tany amin'ny tobin'ny Israelita ireo lehilahy roa.
Ireo dia hevitra mitovy maneho fiverenana any amin'izay itobian'ny Israelita.
"niampita" dia midika fandehanana mankany ampitan'ny renirano. D.H: "nandeha avy amin'ny amoron'izany mankany ampita amoron'ny Jordana"
Izany dia anaran-dehilahy; rain'i Jososa.
"ireo lehilahy rehetra dia nahazo traikefa sy fahitana."
Ity teny "antsika" ity, dia maneho an'Isaraely.
Ny mponin'ny tany manoloana an'Israely dia tahaka ny zavatra izay mitsonika eo anatrehan'ny hafanana.
1 Nifoha maraina be i Josoa, ary dia niala tao Sitima izy ireo. Nankany Jordana izy ireo, izy sy ireo vahoakan'Israely rehetra, ary nitoby teo mialohan'ny niampitany. 2 Afaka telo andro, ireo manam-pahefana dia nandeha teo afovoan'ny toby; 3 nandidy ny olona izy ireo hoe: "Rehefa mahita ny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, sy ireo mpisorona avy amin'ireo Levita milanja izany, dia aoka handao an'ity toerana ity ianareo ka hanaraka izany. 4 Aoka hisy elanelana roa arivo hakiho eo aminareo sy izany. Aza manakaiky izany, mba hahafahanareo mahita ny lalana aleha, satria mbola tsy nandeha tamin'io lalana io ianareo taloha." 5 Hoy Josoa tamin'ny vahoaka hoe: "Hamasino ny tenanareo rahampitso, fa hanao fahagagana eo aminareo Yaveh." 6 Ary hoy Josoa tamin'ireo mpisorona hoe: "Ento ny fiaran'ny fifanekena, ary mandalova eo anoloan'ny olona." Koa dia nandray ny fiaran'ny fifanekena izy ireo ary nandeha teo anoloan'ny olona. 7 Hoy Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Izao anio izao dia ho ataoko lehilahy mahery eo imason'ny Israely rehetra ianao. 8 Hahafantatra izy ireo fa tahaka ny nombako an'i Mosesy, no hombako anao. Ianao dia handidy ireo mpisorana izay milanja ny fiaran'ny fifanekena hoe: 'Rehefa tonga eny amoron'ny ranon'i Jordana ianareo, dia aoka ho tony eo amin'ny Reniranon'ny Jordana.'" 9 Dia hoy Josoa tamin'ny olon'Israely hoe: "Mankanesa aty, ary henoy izao tenin'i Yaveh Andriamanitrareo izao. 10 Amin'ny alalan'ity no hahafantaranareo fa ny Andriamanitra velona dia eo aminareo ary handroaka ireo Kananita, ireo Hetita, ireo Hivita, ireo Perizita, ireo Girgasit, ireo Amorita ary ireo Jebosita tsy ho eo anoloanareo. 11 Indro! ny fiaran'ny fifaneken'ny Tompon'ny tany rehetra miampita eo alohanareo ho ao Jordana. 12 Ankehitriny mifidiana olona roa ambin'ny folo avy amin'ny fokon'Israely, lehilahy iray avy amin'ny tsirairay. 13 Rehefa mikasika ny ranon'i Jordana ny faladian-tongotr'ireo mpisorona izay mitondra ny fiaran'i Yaveh, Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny onin'i Jordana, ary na ny rano izay mikoriana avy any ambony aza dia hijanona hiangona ho iray." 14 Koa rehefa niala mba hiampita an'i Jordana ireo olona, dia nandeha teo alohan'ireo olona ireo mpisorona izay nilanja ny fiaran'ny fifanekena. 15 Raha vao tonga teo Jordana ireo izay nilanja ny fiara, ary niroboka teo amoron'ny rano ny tongotr'izy ireo (ary ny ranon'i Jordana dia tondraka hatreny amin'ny sisiny rehetra nandritra ny fotoam-pijinjana), 16 ny rano izay nikoriana nidina avy any ambony dia nijanona ka niangona ho iray. Nitsahatra avy eny lavitra dia lavitra ny fikorian'ny rano. Nitsahatra nikoriana avy any Adama, ilay tanàna izay akaikin'i Zaretana, hatrany amin'ny lalana nidina nankany amin'ny ranomasin'i Negeva, ilay Ranomasina Sira, ny rano. Niampita nanakaiky an'i Jeriko ny vahoaka. 17 Ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh dia nijanona teo amin'ny tany maina teo afovoan'ny Jordana mandram-pitan'ny olon'Israely rehetra teo amin'ny tany maina.
Ny fehezanteny, "nifoha," midika hoe "hifoha."
Toerana iray ao amin'ny tanin'i Moaba, andrefan'ny Reniranon'ny Jordana izay nitobian'ireo Israelita talohan'ny nidiran'izy ireo tao amin'ny tany fampanantenana, Kanaana.
Ireo dia olona mitazona ny didy na ny fahefana.
Izany dia maneho ny firenen'Israely.
"2,000 hakiho." Ny teny "hakiho" dia fandrefesana ny elanelana avy amin'ny kiho mankany amin'ny tendro'ny rantsana.
Izany dia maneho fanomanana manokan'ny vatana madio ara-pinoana eo anatrehan'i Yaveh.
Yaveh hanao fahagagana ho an'ireo rehetra mijery sy traikefa.
Izany dia fanehoana ny fitsenan'ireo levita ny fiaran'ny fanekena ho amin'ny tanjona amin'ny fikarakarana izany avy amin'ny toerana iray makany amin'iray hafa.
Yaveh milaza amin'i Josoa izay ataon'ireo mpisorona
Etoana "imaso" dia manambara ny olona mahita sy mahatakatra. D.H: "Ny olona hahita izay ataoko ary anatanteraka fa efa nataoko lehilahy mahery ianao."
Josoa dia manakaiky ny sisiny na ny moron'ny Reniranon'ny Jordana.
Josoa milaza amin'ny Israely izay ataon'i Yaveh.
Yaveh dia hanery ireo olon-kafa mipetraka eo amin'ny tany mba hiala na ho vonoina.
"miampita" dia midika mandeha avany ampitan'ny moron'ny Jordana. D.H: "handeha avany amoron'izany mankany ampitan'ny moron'izany"
Mbola miresaka amin'ny Israely hatrany i Josoa ny amin'ny fahagagana izay ho ataon'i Yaveh.
Ny Rain'Israely ihany no mahay fiampitan' ny Ranomasina mena, ireo olona ireo dia hahay hiampita ny onin'ny Jordana eo amin'ny tany maina.
Izany dia maneho ny ambanin'ny tongotr'izy ireo.
ITy teny iTy dia maneho ny lalan'ny Reniranon'ny Jordana mikoriana mankany amin'ny Israely.
Ny rano dia hijanona ao amin'ny toerana na faritra iray. Tsy hikoriana manodidina ireo mpisorona izany.
Ny teny "fiara" eto dia maneho ny tratra izay misy vato fisaka.
Izany dia afaka maneho ny faritry ny rano na ihany koa morony izay ikorian'ny rano mba hanamaina ny tany.
Izany dia vaovao fototra ary manampy sehatra amin'izay ataon'i Yaveh.
Mitohy hatrany ny fandalovan'ny Reniranon'ny Jordana mahgaga.
Izany dia maneho Reniranon'ny fandrian-dranon'ny Jordana
Ity teny ity dia midika ho fandehanana mankany amorony ampitan'ny ony. D.H: "nandeha avy any amin'izany morony izany mankany ampitan'ny morony"
1 Rehefa tafita an'i Jordana ny olona rehetra, dia niteny tamin'i Josoa i Yaveh hoe: 2 "Misafidiana ianao lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny vahoaka, lehilahy iray avy isaky ny foko. 3 Omeo azy ireo ity didy ity: 'Mangalà vato roa ambin'ny folo avy ao afovoan'ny Jordana izay ijoroan'ireo mpisorona eo amin'ny tany maina, ary ento manaraka anareo izany ary apetraho eo amin'ny toerana izay hatorianareo anio alina.'" 4 Ary nantsoin'i Josoa ireo lehilahy roa ambin'ny folo izay efa nosafidiany teo amin'ireo fokon'Israely, iray isaky ny foko. 5 Hoy Josoa tamin'izy ireo hoe: "Mandehana mialohan'ny fiaran'i Yaveh Andriamanitrareo ao afovoan'i Jordana. Hilanja vato eny amin'ny sorony avy ianareo tsirairay, araka ny isan'ireo fokon'ny vahoakan'Israely 6 Izany dia ho famantarana eo aminareo rehefa hanontany anareo ny zanakareo amin'ireo andro ho avy hoe: 'Inona no dikan'ireo vato ireo aminareo?' 7 Ary hoy ianareo amin'izy ireo hoe: 'Novakiana teo anatrehan'ny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh ny ranon'ny Jordana. Rehefa nandalo teo amin'i Jordana izany, dia vaky ny ranon'ny Jordana. Koa ho fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny vahoakan'Israely ireo vato ireo.'" 8 Ny vahoakan'Israely dia nanao araka izay nandidian'i Josoa azy, ka naka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'ny Jordana izy ireo, araka ny nolazain'i Yaveh an'i Josoa. Nampiakarin'izy ireo araka ny isan'ireo fokon'i Israely ny isan'ireo vato. Nolanjain'izy ireo niaraka tamin'izy ireo ny vato, nankany amin'ny toerana izay nitobian'izy ireo ary napetrany teo ambany teo. 9 Avy eo Josoa nametraka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'ny Reniranon'ny Jordana, teo amin'ny toerana izay nijoroan'ny tongotr'ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fifanekena. Any izany fahatsiarovana izany mandrak'ankehitriny. 10 Ireo mpisorona izay nilanja ny fiara dia nijoro teo afovoan'ny Jordana mandra-pahatanteraky ny zavatra rehetra nandidian'i Yaveh ho lazain'i Josoa tamin'ireo vahoaka, araka ireo rehetra efa nandidian'i Mosesy an'i Josoa. Niampita faingana ireo vahoaka. 11 Rehefa tapitra niampita daholo ny olona, dia niampita teo anoloan'ny vahoaka ny fiaran'i Yaveh sy ireo mpisorona. 12 Ny fokon'i Robena, ny fokon'i Gada, ary ny atsasaky ny fokon'i Manase dia nandalo mialohan'ny nilaharan'ireo vahoakan'Israely toy ny miaramila, araka ny nolazain'i Mosesy tamin'izy ireo. 13 Lehilahy voaomana hiady tokony ho efatra arivo no nandalo teo anoloan'i Yaveh, mba hiady eny amin'ny tany lemak'i Jeriko. 14 Tamin'io andro io dia nataon'Andriamanitra lehibe teo imason'ny vahoakan'Israely rehetra i Josoa. Nanome voninahitra azy izy ireo—tahaka ny nanomezan'izy ireo voninahitra an'i Mosesy—nandritra ny androm-piainany. 15 Ary niresaka tamin'i Josoa i Yaveh hoe: 16 "Omeo baiko ireo mpisorona izay nilanja ny fiaran'ny vavolombelona mba hiala avy ao Jordana." 17 Koa dia nanome baiko ireo mpisorona i Josoa hoe: "Mivoaha ao Jordana." 18 Rehefa nivoaka avy tao afovoan'ny Jordana ireo mpisorona nilanja ilay fiaran'ny fifaneken'i Yaveh, ary niakatra teny amin'ny tany maina ny faladian-tongotr'izy ireo, dia niverina tamin'ny toerany ary nihoatra ny morony ny ranon'ny Jordana, tahaka ny tamin'ny efatra andro mialoha. 19 Nivoaka avy tao Jordana ireo vahoaka tamin'ny andro fahafolon'ny volana voalohany. Nijanona tao Gilgala izy ireo, atsinanan'ny Jeriko. 20 Ireo vato roa ambin'ny folo izay nalain'izy ireo avy tao Jordana, dia napetrak'i Josoa tao Gilgala. 21 Hoy izy tamin'ireo vahoakan'Israely hoe: "Rehefa manontany an'ireo rainy ny taranakareo amin'ny fotoana ho avy hoe: 'Inona ireo vato ireo?' 22 Teneno ny zanakareo hoe: 'Teo no niampitan'i Israely an'ny Jordana tamin'ny tany maina.' 23 Nohamainin'i Yaveh Andriamanitrareo ho anareo ny reniranon'ny Jordana, mandra-piampitanareo, tahaka ny nataon'i Yaveh Andriamanitrareo tamin'ilay Ranomasina Mena, izay nohamaininy ho antsika mandra-piampitantsika, 24 mba hahafantaran'ny olona rehetra eto an-tany fa mahery ny tanan'i Yaveh, ary mba hanomezanareo voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrareo mandrakizay."
Niresaka avy hatrany tamin'i Jososa i Yaveh, ny toe-javatrao rehetra dia ahitana an'Isarely.
Ny teny "tafita" dia maneho ny fandehanana mankany ampita ny moron'ny ony. D.H: "nandeha niampita"
Reniranon'ny Jordana
Ny anjara apetraka dia mety afaka lazaina tahaka ny anjara ankolaka. D.H: " Omeo azy ireo ity didy ity mba hangalana vato roa ambin'ny folo avy ao afovoan'i Jordana izay ijoroan'ireo mpisorona eo amin'ny tany maina, ary ento manaraka anareo izany ary apetraho eo amin'ny toerana izay hatorianareo anio alina.'"
Josoa miteny amin'ireo roambin'ny folo lahy izay tokony ataony.
Ireo roambin'ny folo lahy tsirairay dia hilanja vato be avy eny amin'ny Fandrian-dranon'ny Onin'ny Jordana ary itondra azy ireo mankany amin'ny amorony hafa mba hanamboarana tsangambato.
Josoa miteny amin'ireo Israely izay dikan'ny vato roambin'ny folo atonta.
Izany dia azo lazaina ho tso-drafitra. D.H: "Yaveh namaky ranon'ny Jordana teo anoloan'ny fiaran'ny fifanekeny.
"Ny Reniranon'ny Jordana dia"
Ny Reniranon'ny Jordana dia nosakanana tamin'ny alalan'Andriamnitra avy amin'ny fikorianana mankany amin'ny fiara izay voatondra avy tamin'ireo mpisorona.
Ny fikorian'ny rano dia nitsahatra teo anoloan'ny fiara ka voakasik'izany ny olona rehetra nandeha teo amin'ny fandrian-drano maina.
Josoa sy ireo Israely dia manao hatrany arak'izay nibaikoin'i Yaveh azy.
Izany dia maneho ireo roambin'ny folo lahy nilanja vato avy eny amin'ny fandrian-dranon'ny Reniranon'ny Jordana.
Ireo dia fanampim-bato, tsy ireo vato izay nentin'ireo roambin'ny folo lahy avy any amin'ny fandrian-drano.
Ity dia midika ny fahatsiarovana tany hatramin'ny andro izay nanoratan'ny mpanoratra ity boky ity.
Ity dia maneho ny Reniranon'ny Jordana.
Ity dia manambara ny firenen'Israely.
Ity dia midika ho fandehanana mankany ampitan'ny moron'ny ony. D.H: "nandeha avy any amorony iray mankany ampitan'ny morony"
Izany dia maneho ny feloavan'ny vahoaka na eo andilan'ny vahoaka rehetra. Ny olona rehetra dia nahita ny fiara lasa nentin'ireo mpisorona.
Ireo dia miaramilan'ny foko telo izay namita ny adidiny mba hitondra ireo Israelita makany amin'ny ady ho an'ny fitoerana eo amorony atsinan'ny Reniranon'ny Jordana.
Ny teny "izy ireo" dia maneho ny vahoakan'Israely.
Ity dia tsy maneho fotsiny ihany ny manome voninahitra fa manaiky ireo didiny ary mitondra azy ireo tahaka ny mpandidin'ny miaramilany toy ny nanarahan'izy ireo an'i Mosesy.
Yaveh miteny amin'i Josoa ny tsy maintsy hialan'ireo mpisorona ny Reniranon'ny Jordana.
Ny mpanoratra dia nanao azy mazava tsara fa ny fizaran'ny Reniranon'ny Jordana dis tsy nisy hafa ny fizaran'ny Ranomasina Mena ho an'ny taranaka teo aloha.
Ny Renirano'ny Jordana dia nanafotra ny morony ary tondran-drano ny faritra tao aloha sy tao aorian'ny nandalovan' ny Israely teo amin'ny tany maina.
"4 andro"
Ity dia maneho raha vao nandalo ny Reniranon'ny Jordana ny Israely teo amin'ny tany maina.
Ity dia volana voalohan'ny tetiaran'ny Hebreo. Ny andro faha folo dia akaikin'ny faran'ny Martsa eo amin'ny tetiarana tandrefana.
Ny foko tsirairay dia maka vato iray avy ao amin'ny Reniranon'ny Jordana ka afahan'i Josoa manangana fahatsiarovana amin'ny fandalaovan'ny tanatara.
Josoa mampatsiahy hatrany ny vahoaka ny tanjona amin'ireo tontam-bato.
Izany dia hoan'ny Israely mba hampianatra ny zanak'izy ireo ny fahagagan'Andriamanitra ka hahatonga azy ireo hanome voninahitra an'i Yaveh mandrakizay.
Ity dia maneho ny tanjak'i Yaveh ho mafy. D.H: "Yaveh dia mahery"
1 Vantany vao ren'ireo mpanjakan'i Amorita rehetra tany amin'ny ilany atsinanan'i Jordana, sy ireo mpanjakan'i Kananita rehetra, izay nanamorona ny sisin'ny Ranomasina Lehibe, fa Yaveh dia efa nandritra ny ranon'ny Jordana mandra-pitan'ny vahoakan'Israely, dia nitsonika ny fon'izy ireo, ary tsy nisy fanahy intsony tao amin'izy ireo noho ireo vahoakan'Israely. [1]2 Tamin'izany fotoana izany dia hoy i Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Manamboara antsy afovato ary forao indray mandeha ireo lahin'Israely rehetra." 3 Ary Josoa nanamboatra antsy afovato ka namora ireo lahin'Israely rehetra tao Gibeata Haralota. 4 Izao no antony namoran'i Josoa azy ireo: ny lahy rehetra izay nivoaka an'i Egypta, anisan'izany ireo lehilahy mpiady rehetra, dia maty an-dalana tany an'efitra, taorian'ny nivoahan'izy ireo avy tany Egypta. 5 Na dia voafora avokoa aza ny lahy rehetra izay nivoaka an'i Egypta, dia mbola tsy nisy tamin'ireo zazalahy teraka an-dalana tany an'efitra nivoaka an'i Egypta no voafora. 6 Fa ireo vahoakan'Israely dia nandeha efapolo taona tany an'efitra mandra-pahafaty ireo vahoaka rehetra, izany hoe, ny lehilahy mpiady rehetra izay nivoaka an'i Egypta, dia maty, satria tsy nankatoa ny feon'i Yaveh izy ireo. Nianiana tamin'izy ireo Yaveh fa tsy hamela azy ireo hahita ny tany izay nianianany tamin'ny razamben'izy ireo fa homeny azy ireo, dia tany tondra-dronono sy tantely. 7 Ny zanak'izy ireo no natsangan'i Yaveh teo amin'ny toeran'izy ireo izay namoran'i Josoa, satria tsy voafora teny an-dalana izy ireo. 8 Rehefa voafora avokoa izy rehetra, dia nijanona tao amin'izay nitobiany izy ireo mandra-pahasitran'izy ireo. 9 Ary hoy i Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Androany dia efa nanaisotra taminareo ny fahafaham-barakan'i Egypta Aho." Koa ny anaran'izany toerana izany dia nantsoina hoe Gilgala mandrak'androany. 10 Nitoby tao Gilgala ny vahoakan'Israely. Notehirizin'izy ireo ho an'ny harivan'ny fahefatra ambin'ny folo andron'ny volan'ny Paska, teo amin'ny lemak'i Jeriko. 11 Nihinana ny sasany tamin'ny vokatry ny tany izy ireo taorian'ny Paska: mofo tsy misy masirasira, ary vary voaendy. 12 Nitsahatra tamin'ny andro taorian'ny nihinanan'izy ireo ny vokatry ny tany ny mana. Tsy nisy mana ho an'ny vahoakan'Israely intsony, fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy ireo tamin'izany taona izany. 13 Rehefa teo akaikin'i Jeriko i Josoa, dia nanandratra ny masony ary nijery, ary indro, nisy lehilahy iray nijoro teo anoloany; notsoahiny ny sabany ary teny an-tanany izany. Nankeo aminy i Josoa ary niteny hoe: "Momba anay ianao sa momba ny fahavalonay?" 14 Hoy izy: "Tsia. Satria mpibaiko ny tafik'i Yaveh aho. Tonga aho ankehitriny." Ary Josoa niankohoka tamin'ny tany mba hanompo ary niteny taminy hoe: "Inona no lazain'ny tompoko amin'ny mpanompony?" 15 Ny mpibaiko'ny tafik'i Yaveh niteny tamin'i Josoa hoe: "Esory amin'ny tongotrao ny kapanao, satria ny toerana izay ijoronao dia masina." Dia izany no nataon'i Josoa.
Ireo fehezanteny roa ireo amin'ny ankapobeny dia midika zavatra mitovy ary manasongadina ny hamafin'ny tahotry ny fon'izy ireo.
Etoana "ireo fo" dia manambara herim-po. Natahotra izany izy ireo raha nitsonika tahaka ny savoka anaty afo ny herim-pon'izy ireo. D.H: ""very ny herim-pon'izy ireo rehetra."
Etoana "fanahy" dia maneho ny herin'izy ireo mba hiady. D.H: "tsy nanana ny hery rehetra hiadivana intsony izy ireo"
Izany dia manodidina ny lehilahy 600,000; koa mazava izany rehefa nandray an-tanana izany asa izany i Josoa, dia maro ny olona nanampy azy. Raha mampifangaro ireo mpamakinao izany, dia tokony hanao izany mazava tsara ianao. D.H: "Josoa sy ireo Israelita nanao ny tenany antsy afovato...noforan'izy ireo ny lehilahy rehetra"
Ity dia anaran-toerana izay ahatsiarovana an'Israely nanamasina ny tenan'izy ireo tamin'i Yaveh. Midika izany hoe "havoan'ny fanamasinana."
Ny nahatonga ny lehilahin'Israely rehetra lasa nisy famorana dia voazava.
ny lehilahy efa feno fahanterana lasa miaramila
Etoana "feo" dia maneho ireo zavatra izay nolazain'i Yaveh
Andriamanitra nilaza ny hatsaran'ny tany ho an'ny biby sy ireo zava-maniry toy ny tantely sy ronono avy amin'ireo biby sy ireo zva-maniry izay tondraka manoloana ny tany. D.H: "ny tany izay tena tsara dia ho an'ny fanaganana biby fiompy sy fampitomboana vokatra."
Ny fahafaham-barakan'izy ireo dia voalaza tahaka ny vatobe izay nisakana ny lalan'izy ireo. Eto ny "nanaisotra" dia midika "nanala". D.H: "Androany dia efa nanala taminareo ny fahafaham-barakan'i Egypta Aho" na "Afa-baraka ianareo raha vao andevon'ny Egypta. Saingy, androany dia Izaho no nahatonga anareo tsy ho afa-baraka intsony"
Izany dia akaikin'ny faran'ny Martsa eo amin'ny tetiandro tandrefana. D.H: "ny fahefatra ambin'ny folo andron'ny volana voalohany"
Eto ny fiandrandrana dia voalaza tahaka an'i Josoa ara-bakiteny nanandratra ny masony teo amin'ny tanany. D.H: "niandrandra izy ary nahita izany lehilahy nijoro izany"
Ny teny "indro" dia mampiomana antsika hitandrina tsara amin'ny vaovao. Ny fiteninao dia mety hanana ny fomba fampiasa izany.
Etoana ny teny "izy" sy "azy" dia maneho amin'ny lehilahy izay nijoro teo anoloan'i Josoa.
Ny teny "izy" dia maneho ilay lehilahy itan'i Josoa.
Ity dia fiatomboan'ny valin-tenin-dralehilahy tamin'ny fanontanian'i Josoa, "ho anay ianao sa ho an'ny fahavalonay?" Tokony hazava tsara izany izany valin-teny fohifohy izany. D.H: "Tsy ho anareo aho no tsy ho fahavalonareo"
Ity dia fihetsiky ny fanompoana iray.
Ity dia fihetsiky ny fanajana iray.
1 Ary nikatona avokoa ny fidirana rehetra nankao Jeriko noho ny tafik'Israely. Tsy nisy nivoaka ary tsy nisy niditra tao. 2 Hoy Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Indro, efa natolotro teo an-tananao Jeriko, ny mpanjakany, ary ireo miaramila voahomany. 3 Aoka ianao hanao diabe manodidina ny tanàna, ny lehilahy mpiady no mandeha mihodidina ny tanàna indray mandeha. Aoka hanao izany mandritra ny enin'andro ianao. 4 Mpisorona fito no hitondra trompetra fito vita amin'ny tandrok'osy eo anoloan'ny fiara. Amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy manao diabe manodidina ny tanàna impito ianareo, ary tsy maintsy mitsoka mafy ny trompetra ireo mpisorona. 5 Avy eo dia tsy maintsy mampaneno trompetra lavareny amin'ny tandrok'osy izy ireo, ka rehefa mandre ny feon-trompetra ianao dia tsy maintsy mihorakoraka amin'ny hiaka mafy ny vahoaka rehetra, ary hirodana ny mandan'ny tanàna. Tsy maintsy hanafika ireo miaramila, ary hizotra amin'ny hitsiny avy ny tsirairay." 6 Ary niantso an'ireo mpisorona i Josoa zanak'i Nona ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Ento ny fiaran'ny fifanekena, ary aoka hisy mpisorona fito hitondra trompetra tandrok'osy fito ho eo alohan'ny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh." 7 Hoy izy tamin'ireo vahoaka hoe: "Mandehana ary manaova diabe manodidina ny tanàna, ary handeha eo alohan'ny fiaran'i Yaveh ireo lehilahy mitam-piadiana." 8 Araka izay nolazain'i Josoa tamin'ny vahoaka, dia nitondra trompetra tandrok'osy fito teo anatrehan'i Yaveh ireo mpisorona fito. Raha nandroso iny izy ireo, dia nitsoka ny trompetra. Nanaraka azy ireo avy ao aoriana ny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh. 9 Nisy lehilahy mitam-piadiana nandeha teo anoloan'ireo mpisorona, ary nitsoka ny trompetrany izy ireo, fa nandeha niakatra avy ao aorian'izy ireo kosa ireo mpiambina ny vodi-lalana, ary nitsoka ny trompetran'izy ireo hatrany ireo mpisorona. 10 Fa Josoa nandidy an'ireo vahoaka, nanao hoe: "Aza mihiaka. Aoka tsy hisy feo hivoaka amin'ny vavanareo ambara-pahatonga ny andro ilazako aminareo mba hihiaka. Amin'izany ihany ianareo vao hihiaka." 11 Koa nataony nandeha nanodidina ny tanàna indray mandeha ny fiaran'i Yaveh tamin'io andro io. Ary dia niditra ny tobiny izy ireo, dia nitoetra tao an-toby nandritra ny alina. 12 Dia nifoha maraim-be i Josoa, ary nalain'ireo mpisorona ny fiaran'i Yaveh. 13 Nandeha mafy ary nitsoka ny trompetra ireo mpisorona fito, izay nitondra an'ireo trompetra fito tandrok'osy teo alohan'ny fiaran'i Yaveh. Nisy miaramila mitam-piadiana nandeha teo alohan'izy ireo. Fa rehefa nandeha avy taorian'ny fiaran'i Yaveh ireo mpiandry vodi-lalana, dia namoaka feo tsy miato ireo trompetra. 14 Nanao diabe nanodidina ny tanàna indray mandeha izy ireo tamin'ny andro faharoa ary niverina tany an-toby. Nanao izany nandritra ny enin'andro izy ireo. 15 Tamin'ny andro fahafito no niaingan'izy ireo vao mangiran-dratsy, ary nanao diabe nanodidina ny tanàna araka ny fomban'izy ireo ihany izy ireo, fa impito tamin'ity indray mitoraka ity. Tamin'io andro io no nanaovan'izy ireo diabe impito nanodidina ny tanàna. 16 Tamin'ny andro fahafito, tamin'ireo mpisorona nitsoka ireo trompetra tandrok'osy, no nandidian'i Josoa an'ireo vahoaka hoe: "Mihorakoraha! Fa efa nomen'i Yaveh anareo ny tanàna. 17 Natokana ho an'i Yaveh ho fandravana ny tanàna sy izay rehetra ao aminy. Rahaba mpivaro-tena irery ihany no ho velona—izy sy ireo rehetra miaraka aminy ao an-tranony—satria nanafina ireo lehilahy nirahintsika izy. 18 Ny aminao kosa, miambena amin'ny fakàna ireo zavatra voatokana ho an'ny fandravana, mba tsy haka na inona na inona amin'izany ianao, rehefa avy nasianao marika ho ravana izany. Raha manao izany ianao, dia hahatonga ny tobin'Israely ho zavatra tsy maintsy ho ravana ka hitondra fikorontanana amin'izany. 19 Ireo volafotsy, volamena, ary ireo zavatra rehetra vita amin'ny varahina sy vy dia voatokana ho an'i Yaveh. Tsy maintsy halefa ao amin'ny fitoeran-drakitr'i Yaveh ireo." 20 Rehefa nitsoka ny trompetra izy ireo, dia nihiakiaka mafy ny vahoaka ary nirodana ny manda, hany ka nihitsy niditra ny olon-drehetra ary nambabo ny tanàna. 21 Noringanin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra tanteraka izay rehetra tao amin'ilay tanàna—ny lehilahy sy vehivavy, ny tanora sy antitra, ny omby, ny ondry ary ireo boriky. 22 Avy eo dia hoy Josoa tamin'ireo lehilahy roa nitsikilo tao amin'ilay tany hoe: "Mandehana any an-tranon'ilay mpivaro-tena. Ento mivoaka ilay vehivavy sy ireo rehetra miaraka aminy, araka ny nianiananareo taminy." 23 Koa dia niditra ary nitondra an'i Rahaba nivoaka ireo tovolahy roa mpitsikilo. Nentin'izy ireo nivoaka ny rainy, ny reniny, ireo anadahiny, ary ireo havany izay niaraka taminy. Nentin'izy ireo tany amin'ny toerana iray ivelan'ny tobin'Israely izy ireo. 24 Nodoran'izy ireo ny tanàna sy izay rehetra tao aminy. Ny volafotsy, volamena, ary ireo fitaovana vita amin'ny varahina sy vy ihany no natao tao anatin'ny fitoeran-drakitry ny tranon'i Yaveh. 25 Fa navelan'i Josoa ho velona i Rahaba mpivaro-tena, ny ankohonan-drainy, ary ireo rehetra niaraka taminy. Mitoetra any Israely mandrak'ankehitriny izy satria nanafina ireo lehilahy izay nirahin'i Josoa hitsikilo tao Jeriko. 26 Ary tamin'izany fotoana izany dia nandidy azy ireo tamin'ny fianianana i Josoa, ary niteny hoe: "Voaozona eo imason'i Yaveh anie izay olona mamerina manorina ity tanàna ity, dia i Jeriko. Amin'ny ain'ny zanany lahimatoa no hametrahany fototra, ary amin'ny ain'ny zanany faralahy no hananganany ny vavahadiny." 27 Koa dia nomba an'i Josoa i Yaveh, ary niely nanerana ny tany ny lazany.
Ity teny ity dia nampiasaina anamarihana ny fapotehina tao amin'ny tantara lehibe. Eto ny mpanoratra milaza ny nahatonga ny vavahadin'ny Jeriko nikatona sy nidy.
Yaveh miresaka amin'i Josoa izay tena ho ataony amin'izany amin'ny filazana izay efa nahavitany izany sahady.
Ity dia midika hoe "teo amin'ny fanaraha-maso nao"
Mbola miresaka amin'i Josoa hatrany Andriamanitra izay tsy maintsy ataon'ny olona.
"Aoka anao izany indray mandeha isan'andro mandritry ny enin'andro ianao"
Ireo mpisorona fito dia mandeha eo anoloan'ny mpisorona hafa izay mitondra ny fiara sy mandeha mandeha manodidina ny tanàna.
Mbola miresaka amin'i Josoa hatrany Andriamanitra izay tsy maintsy ataon'ny olona.
Ny teny "Izy ireo" dia maneho ireo mpisorona fito. Ny "tandrok'osy" sy "trompetra" dia maneho ny trompetra tandrok'osy izay notsofin'ireo mpisorona.
"ny ivelan'ny mandan'ny tanàna" na "ny manda manodidina ny tanàna"
Ity dia rain'i Josoa.
"Alaivo ny fiaran'ny fifanekena"
Mety ho dikany dia 1) "amin'ny fankatoavana an'i Yaveh" na " 2) "eo anoloan'ny fiaran'i Yaveh"
"nampaneno ny trompetra mafy dia mafy izy ireo" na "nitsoka ny trompetra tandrok'osy ireo mpisorana"
Mety azo lazaina mazava izay nitondran'ny olona ny fiara tany. D.H: "Ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'i Yaveh nanaraka azy ireo avy ao aoriana"
Feo mivoaka amin'ny vavan'olona dia manambara ny resak'olona na fikiahina. D.H: "Aza mikikiaka na miteny"
Efa nandidy ny vahoaka i Josoa talohan'ny nanombohan'izy nandeha nanodidina ny tanàna. D.H: "Efa nandidy ny vahoaka i Josoa"
"mpisorona 7...trompetra 7"
Ity dia midika fa notsofan'izy ireo ny trompetrany, noho izy ireo no mahatonga tabataba mafy, amin'ny fizaram-potoana. D.H: "naneno mafy hatrany ny trompetra" na "nitsoka ny trompetra tandrok'osy hatrany"
Ny andro manaraka
Nandeha nanodidina an'ny Jeriko isan'andro Israely.
"andro 6"
Ity dia maneho ny vahoakan'Israely.
"naneno mafy ny trompetra" na "nitsoka ny trompetra tandrok'osy"
Josoa dia milaza fa Yaveh hanome tanàna taneraka azy ireo amin'ny filazana izay efa nomeny azy ireo sahady.
Ny teny "ianareo" dia maneho ny firenena manontolon'ny Israely.
Josoa miresaka hatrany amin'ny vahoakan'Israely.
D.H: "aoka ho atokanareo an'i Yaveh ho fandravana ny tanàna sy izay rehetra ao aminy" na "Aoka ho atokanareo an'i Yaveh ny tanàna sy izay rehetra ao aminy amin'ny alalan'ny fandravana izany"
Failovana dia voalaza toy ny hiambenan'izy ireo ny tenany. "Mitandrema izay tsy akanao ireo zavatra"
Fanaovan-javatra izay mahatonga zavatra ratsy ka miseho amin'ny tanàna dia voalaza tahaka ny fitondrana korontana amin'izany. D.H: "Ianao no hahatonga zava-dratsy hiseho amin'izany"
fanangonan-javatra voatokana ho an'ny fanompoana an'i Yaveh
"nihoraka ny vahoakan'Israely"
"naneno mafy ireo trompetra" na "nitsoka ny trompetra tandrok'osy"
Na dia nampiasa ireo sabatra ny ankamaroan'ireo vahoakan'Israely, dia azo aseho aminin'ny fihetsika herisetra na ady amin'ny ankapobeny izany. D.H: "miaraka amin'ny sabatra maranitr'izy ireo" na "amin'ny ady"
Ny teny "izy ireo" dia manambara an'ireo miaramila Israelita. Tsy ilay tovolahy roa izay nitondra an'i Rahaba sy ny fianakaviany nivoaka ny tanàna ihany no maneho izany.
Ny teny "Izy" dia maneho an'i Rahaba ary manambara ireo taranany. D.H: "Mitoetra ny Israely ireo taranany"
"ankehitriny" na "na dia androany". Ny taranki Rahaba dia mbola mitoetra any Israely hatrany toy ny fiatombohan'ny mpanoratra nanoratra ity tantara ity.
Voaozona eo imason'i Yaveh dia manambara voaozona amin'ny alalan'i Yaveh. D.H: "Hozonon'i Yaveh anie ilay olona izay mamerina manorina"
Ny tambin'ilay olona mametraka fototra vaovao ho an'ny Jeriko dia tsy maintsy ho faty ny zanany lahimatoa.Izany dia voalaza toy ny vidin'izay olona tsy maintsy mandoha izany . D.H: "Raha mametraka fototra izy, dia ho very ny zanany lahimatoa" na "Raha mametraka fototra izy, dia ho faty ny zanany lahimatoa"
Nyu tambin'ilay olona mametraka vavahady vaovao ho an'ny Jeriko dia tsy maintsy ho faty ny zanany faralahy. Izany dia voalaza toy ny vidin'izay olona tsy maintsy mandoha izany. D.H: "Raha mametraka ireo vavahadiny izy, dia ho very ny zanany faralahy" na "Raha mametraka ireo vavahadiny izy, dia ho faty ny zanany faralahy"
Ity dia manambara ny lazan'i Josoa, fa tsy Yaveh. Ny fahalasan'ny fahafantarana eo amin'ny olona manerana ny tany dia voalaza toy ny lazany mihely. D.H: "Lasa nalaza manerana ny tany i Josoa" na "ny olona manerana ny tany nianatra ny momba an'i Josoa"
1 Fa ny vahoakan'Israely tsy nahatoky nanoloana ireo zavatra natokana ho amin'ny fandravana. Hakana zanaka lahin'i Karmy sy zafin'i Zabdia ary zafiafin'i Zera, avy amin'ny fokon'i Joda dia naka zavatra tao amin'izay natokana ho amin'ny fandravàna, ka nirehitra tamin'ny vahoakan'Israely ny hatezeran'Andriamanitra. 2 Josoa dia nandefa lehilahy avy ao Jeriko nankany Ay, izay akaikin'i Bety Avena, atsinanan'i Betela. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Miakara ka tsikilovy ny tanàna." Koa niakatra ireo lehilahy ary nitsikilo tao Ay. 3 Rehefa niverina teo amin'i Josoa izy ireo, dia hoy izy ireo taminy hoe: "Aza alefa miakatra any Ay ny vahoaka rehetra. Lehilahy roa arivo na telo arivo ihany halefa hanafika an'i Ay. Aza manasatra ny vahoaka rehetra any amin'ny ady, satria vitsy an'isa izy ireo." 4 Koa teo ho eo amin'ny lehilahy telo arivo no niakatra avy amin'ireo tafika, fa nitsoaka ny lehilahin'i Ay izy ireo. 5 Ireo lehilahin'i Ay dia nahafaty teo amin'ny enina amby telopolo lahy teo rehefa nanenjika azy ireo hatreo amin'ny vavahadin'ny tanàna hatreny amin'ny toerana famotehana vato, ary novonoin'izy ireo teny am-pidinana ny havoana ireo. Natahotra ny fon'ireo vahoaka ka niala tamin'izy ireo ny herim-pony. 6 Avy eo dia notriarin'i Josoa ny akanjony. Izy sy ireo loholon'Israely dia nanisy vovoka ny lohan'izy ireo ary nampiankohoka ny tavan'izy ireo teo amin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Yaveh, nijanona teo mandra-pahariva. 7 Dia niteny Josoa hoe: "Oh, ry Yaveh Tompo, nahoana no nentinao nita an'i Jordana ireo vahoaka ireo? Mba hanolotra anay eo an-tanan'ireo Amorita mba haharingana anay ve? Raha mba nanana fanapahan-kevitra samihafa mantsy izahay dia nijanona teny am-pitan'i Jordana! 8 Tompo oh, inona no azoko lazaina, fa efa niamboho teo anatrehan'ny fahavalon'izy ireo Israely? 9 Satria ireo Kananita sy ireo mponin'ny tany rehetra dia handre ny momba izany. Hanodidina anay izy ireo ary hampanadino ny anaranay amin'ny olon'ny tany. Ka inona no hataonao ho an'ny anaranao lehibe?" 10 Hoy i Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Mitsangàna! Nahoana ianao no manohoka ny tavanao eo? 11 Nanota Israely. Nandika ny fanekeko izay nandidiako azy izy ireo. Efa nangalatra ny sasany tamin'ireo zavatra izay voatokana izy ireo. Efa nangalatra izy ireo ary avy eo koa dia nanafina ny otany tamin'ny fametrahana ireo izay efa nalain'izy ireo ho isan'ny fananany manokana. 12 Vokatr'izany, tsy afaka nitsangana teo anatrehan'ireo fahavalon'izy ireo ny vahoakan'Israely. Niamboho ny fahavalony izy ireo satria efa natokana ho amin'ny fahapotehana ny tenan'izy ireo. Tsy hiaraka aminareo intsony Aho raha tsy mamotika ny zavatra izay tokony nopotehina ianareo, kanefa mbola eo aminareo. 13 Mitsangàna! Hamasino Amiko ny olona ary lazao izy ireo hoe: 'Hamasino ho an'ny rahampitso ny tenanareo. Satria Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely nanao hoe: "Misy ireo zavatra izay natokana ho potehina mbola eo aminareo, ry Israely. Tsy afaka mitsangana hanohitra ireo fahavalonareo ianareo raha tsy manala eo aminareo ireo zavatra rehetra izay natokana ho potehina." 14 Amin'ny maraina, dia tsy maintsy manolotra ny tenanareo amin'ny fokonareo ianareo. Ny foko izay nosafidian'i Yaveh dia hanakaiky ny fianakaviam-ben'izy ireo. Ny fianakaviam-be izay nosafidian'i Yaveh dia tsy maintsy manakaiky ny isan-tokantrano. Ny tokantrano izay nosafidian'i Yaveh dia tsy maintsy mifanakaiky tsirairay. 15 Ary ilay iray izay nosafidina sy manana ireo zavatra izay natokana ho amin'ny fahapotehana, dia ho dorana, izy sy izay hananany rehetra, satria nandika ny faneken'i Yaveh izy ary satria nanao zavatra manala-baraka tao Israely."' 16 Noho izany, nifoha maraina Josoa ary nitondra an'Israely nanakaiky, isam-poko, ary voasafidy ny fokon'i Joda. 17 Nentin'i Josoa nanakaiky ireo fokon'i Joda, ary voasafidy ny fokon'i Zeraita. Nentiny nanakaiky isan'olona ny fokon'i Zeraita, ary voasafidy i Zabdia. 18 Nentiny nanakaiky ny ankohonan'i Zabdia, nandeha tsirairay isan'olona, ary Akana zanaka lahin'i Karmy, zafin'i Zabdia, zafikelin'i Zera, avy amin'ny fokon'i Joda, no voasafidy. 19 Ary hoy Josoa tamin'i Akana hoe: "Ry zanako lahy, lazao eo anatrehan'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely ny marina, ary omeo Azy ny fiain-kelokao. Mba lazao ahy re izay nataonao. Aza afenina amiko izany." 20 Namaly an'i Josoa i Akana hoe: "Marina tokoa, fa nanota tamin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely aho. Izao no nataoko: 21 Rehefa nahita akanjo lava tsara tarehy teo amin'ireo zavatra babo avy tao Babylona, sy volafotsy roanjato sekely, ary anjam-bolamena milanja dimampolo sekely aho, dia naniry ireo ka naka ireo. Ao afovoan'ny laiko ao anaty tany ireo no nafenina, ary ao ambanin'izany ilay volafotsy." 22 Nandefa iraka i Josoa, izay nihazakazaka nankany amin'ny lay ary tao ireo zavatra ireo. Rehefa nijery izy ireo, dia nahita izany nafenina tao amin'ny lainy manokana, ary ny volafotsy teo ambanin'izany. 23 Nalain'izy ireo teo afovoan'ny lay ireo zavatra ireo ary nentin'izy ireo tany amin'i Josoa sy ireo vahoakan'Israely rehetra. Nararak'izy ireo teo anatrehan'i Yaveh izany. 24 Avy eo Josoa, sy ny Israely rehetra niaraka taminy, naka an'i Akana zanaka lahin'i Zera, sy ny volafotsy, ny akanjo lava, ny anjam-bolamena, ireo zanany lahy sy zanany vavy, ireo ombiny, ireo ampondrany, ireo ondriny, ny lainy, ary izay rehetra nananany, ka nentiny niakatra tany amin'ny havoan'i Akora izy ireo. 25 Dia hoy i Josoa hoe: "Nahoana no nampidi-doza anay ianao? Hampidi-doza anao i Yaveh anio." Nitora-batovato azy ny Israely rehetra. Ary notorahan'izy ireo vato ny sisa ary nandoro azy ireo tamin'ny afo. 26 Nanangana antontam-bato lehibe teo amboniny izy ireo izay mbola eo mandrak'androany. Nitsahatra tamin'ny fahatezerany mirehitra Yaveh. Noho izany no niantsoana ny anaran'io toerana io hoe Havoan'i Akora mandrak'izao ankehitriny izao.
"ireo zavatra izay efa nolazain'Andriamnitra dia tsy maintsy hatokan'izy ireo ho Azy amin'ny fandravana ireo.
Anaran-dehilahy ireo.
"fahatezerana" sy "nirehitra" dia milaza fahamafisana, fa tsy afo amin'izao. D.H: "Ny fahatezeran'Andriamanitra nirehitra toy ny afo" na "Tezitra mafy Yaveh"
Ity dia maneho ny miaramilan'Israely.
Ny teny "izy ireo" dia maneho amin'ny vahoakan'ny Ay.
Ireo dia anisan'ny miaramila. D.H: "lehilahy telo arivon'ireo miaramila no niakatra"
lehilahy enina-"3,000 lahy...36 lahy"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mizara mazava tsara ny dikany ary natambatra mba anasosongadina fa tena natahotra loatra ny vahoaka.
Ny tenan'ireo vahoaka natahotra dia voalaza toy ny fahatahoran'ny fon'izy ireo. D.H: "Natahotra mafy ireo vahoaka"
Ny fehezanteny "ny vahoaka" dia maneho ireo miaramila Israelita.
"tsy nanana herim-po intsony izy ireo"
Nanao izany izy ireo mba hampisehoana an'Andriamanitra hoe ahoana ny alahelo sy fahorian'izy ireo.
Jososa dia nangataka raha izany ny hevitr'Andriamanitra izany no nitondra azy ireo nita an'ny Jordana. D.H: "Nanao izany ve ianareo mba hanolorana anay eo an-tanan'ireo Amorita mba handringana anay?
Ny tanan'ireo Amorita dia maneho ny fanaraha-maso sy herin'izy ireo. Fanolorana ireo Israelita ho eo an-tanany mba handringana azy ireo manambara famelana ny Amorita mba hanana fanaraha-mason'ny Israelita ary handringana azy ireo. D.H: "Mamela ny Amorita ve mba handringana anay?
Ny teny "Raha mba" dia mampiseho fa izany dia faniriana ho an'ny zavatra izay tsy mbola niseho. D.H: "Maniry aho ny mba nanantsika fanahan-kevitra samihafa"
Josoa mampiseho fahakivina tamin'Andriamnitra.
Josoa nilaza izany mba hampisehoana hoe hasorenana manao ahoana ny azy fa tsy mbola fantany izay lazaina. D.H: "Tsy haiko izay lazaina. Efa niamboho teo anatrehan'ny fahavalon'izy ireo Israley."
Fanaovana izany dia manambara fitsoahana avy amin'ireo fahavalo. D.H: "Israely dia nandositra avy amin'ireo fahavalony"
Fampanadinoina ny olona ny anaran'ny Israelita manambara fampanadinoana ireo Israelita. Amin'izany dia tsy maintsy anao izany izy ireo amin'ny famonoana ireo Israelita. D.H: "Hiodidina anay izy ireo ary hamono anay, ary ny olon'ny tany dia hanadino ny momba anay"
Ny fehezanteny "ny anaranao lehibe" eto dia manambara lazan'Andriamanitra sy hery. D.H: "Noho izany inona no ho ataonao mba hafantaran'olona anao fa ianao dia lehibe"
Mampiasa izany fanontaniana izany i Josoa mba hampitandremana an'Andriamanitra raha toa ka rava ireo Israelita, ary ireo vahoaka sasany dia hieritreritra fa Andriamanitra dia tsy lehibe. D.H: "Ary amin'izany dia tsy hisy na inona na inona afahanao manao izany ho an'ny anaranao lehibe." na "Ary ny vahoaka tsy hahafantatra fa Ianao dia lehibe."
Yaveh miteny an'i Josoa ny antony naha voahozona an'Israely.
Nampiasa izany fanontaniana izany Andriamanitra mba hanamafy an'i Josoa amin'ny fihohofana ny tavany teo. D.H: "Atsaharo ny fihohofan'ny tavanao amin'ny loto!"
Ireo dia zavatra "nanamarika tamin'ny fahapotehina" D.H: "ireo zavatra voahozona" na "ireo zavatra izay efa nozonin'Andriamnitra"
Fanafenana ny otan'izy ireo manambara fihezahana hangina avy amin'ny fahafantarana izay efa nanotan'izy ireo. D.H: "Efa nangalatra ireo zavatra ireo izy ireo, ary avy eo niezaka hampangina olona avy amin'ny fahafantarana izay nanotàny izy ireo"
Fitsangana teo anatrehan'ny fahavalon'izy ireo manambara fiadivana mahomby manohitra ireo fahavalony. D.H: "Tsy afaka hiady tanteraka hanohitra ny fahavalony izy ireo" na "tsy afaka handresy ny fahavalony izy ireo"
Fanaovana izany manambara fitsoahina ny fahavalon'izy ireo. D.H: "Nandositra ny fahavalony izy ireo"
Miaraka amin'Israely maneho fanampian'Isaraely. D.H: "Tsy hanampy anareo intsony Aho"
Mbola miresaka amin'i Josoa hatrany i Yaveh ary milaza azy izay hambara amin'ny olona
Izany dia maneho ny vahoakan'Israely.
Fitsangana teo anatrehan'ny fahavalon'izy ireo manambara fiadivana mahomby manohitra ireo fahavalony. D.H: "Tsy afaka hiady tanteraka hanohitra ny fahavalonareo ianareo" na "tsy afaka handresy ny fahavalonareo ianareo"
Mbola manohy ny firesahana amin'i Josoa hatrany i Yaveh izay tsy maintsy ho lazaina ny vahoaka.
Nisy foko roambin'ny folo izay nandrafitra ny vahoakan'Israely. Ny fehezanteny "amin'ny fokonareo" dia midika ny "foko tsirairay." D.H: "ny fokonareo tsirairay dia tsy maintsy manolotra ny tenan'izy ireo amin'i Yaveh"
Ny foko dia voarafitra tamin'ny fizaran'ny fianakaviam-be. D.H: "Avy amin'ny foko izay safidian'i Yaveh, ny fianakaviam-be dia hifanakaiky"
Ny mpitarik'Israely dia tsy maitsy hiloka, ary amin'ny fanaovana izany, tsy maintsy hianatra izay foko efa nosafidian'i Yaveh. Azo lazaina mazava tsara izany. D.H: "Ny foko izay safidian'i Yaveh amin'ny loka" na "Ny foko izay safadian'i Yaveh rehefa miloka isika"
Ny fianakaviam-be dia voarafitra amin'ny fizaran'ny tokantrano. D.H: "Avy amin'ny fianakaviam-be izay safidian'i Yaveh, ny isa-tokantrano dia tsy maintsy mifanakaiky"
Ny tokan-trano dia voarafitra amin'ny fizaran'ny olona. D.H: "Avy amin'ny tokantrano izay safidian'i Yaveh, ny olona tsirairay dia maintsy mifanakaiky"
D.H: "ny iray izay safidian'i Yaveh"
Fanimbana ny fanekena dia maneho tsy fankatoavana izany. D.H: "tsy nankato ny faneken'i Yaveh izy"
Josoa manaraka ny baikon'i Yaveh mba hitondra an'Israely eo anatrehany.
Ny fehezanteny "isam-poko" dia midika foko tsirairay. D.H: "nitondra ny fokon'Israely tsirairay nanakaiky"
D.H: "Yaveh nisafidy ny fokon'i Joda"
Ny fehezanteny "isan'olona" dia fomba fiteny iray midika olona tsirairay. Ireo olona ao amin'ity fehezanteny ity dia lohany ao amin'ny tokantranony. D.H: "Nentiny nanakaiky ny olon'ny fokon'ireo Zeraita tsirairay" na "Avy amin'ireo fokon'ireo Zeranita, no nitondrany ny olona tsirairay izay lohany ao an-tokantranony"
Ny foko dia nomena anarana tao aorian'ny nanaomezana anarana an'i Zera.
Ireo dia anaran-dehilahy.
"omeo Azy ny fiain-kelokao" azo lazaina amin'ny matoanteny miaiky. D.H: "miakiha Aminy"
Fanafenana vaovao dia manambara fiehazahana hampangina olona amin'ny fahafantarana izany. D.H: "Aza miezaka mampitandrina olona avy amin'ny fahafantarana izay efa vita"
Izany dia manodidina ny roa kilao.
Izany dia manodidina ny 500 grama.
D.H: "Nafeniko ao anaty tany ireo"
"Ny olon'i Josoa efa nandefa mpitsikilo"
Ampiasao amin'ny fiteninao ny teny fandrarahana zavatra mafy madiniky ny entana lehibe ao anaty tany.
Ny anarana dia midika hoe "Havoan'ny loza," saingy izany no fomba fandikana an'i Akora feo tsara indrindra.
Mampiasa izany fanontaniana izany i Josao mba handatsa an'i Akana. D.H: "Efa nampidi-doza anay ianao"
Ireo mety dikany 1)Ireo Israelita nandoro ny fianakavian'i Akana mba ho faty ary nandrakotra azy ireo tamin'ny vato" na 2) Ireo Israelita nitora-bato ny fianakavian'i Akana mba ho faty ary nandoro ny faty na 3) fa i Akana sy ireo fananany dia voatoraka ary voadoro avy eo.
Nitsahatra tamin'ny fahatezarany dia maneho ny fitsaharanam-pahasorenana. Dorom-pahatezerana dia maneho fahasorenana mafy. D.H: "Nitsahatra tamin'ny fahatezerany i Yaveh."
Izany dia mbola nantsoina hoe havoan'i Akora hatrany tamin'ny fotoana nanoratan'ny mpanoratra izany. D.H: "na dia androany aza" na "na dia izao aza"
1 Hoy Yaveh tamin'i Josoa: "Aza matahotra; aza kivy. Ento miaraka aminao ny vahoaka mpiady rehetra. Mandehana miakatra any Ay. Indro, efa natolotro eo am-pelan-tananao ny mpanjakan'ny Ay, ny vahokany, ny tanànany, sy ny taniny. 2 Hataovy toy ny nanaovanareo an'ny Jeriko sy ny mpanjakany no hanaovanareo an'ny Ay sy ny mpanjakany, saingy halainareo ho anareo ny babo sy ny biby fiompy. Ametraho mpanafika miafina ao ambadiky ny tanàna." 3 Koa dia nitsangana i Josoa ary naka an'ireo lehilahy mpiady rehetra hiakatra ho any Ay. Avy eo i Josoa nifidy lehilahy telo alina—lehilahy mahery be herim-po—ary nalefany izy ireo ny alina. 4 Nibaiko azy ireo izy hoe: "Indro, hanao fanafihana miafina ny tanàna ianareo, ao ambadik'izany. Aza manalavitra ny tanàna, fa samia mivonona ianareo rehetra. 5 Izaho sy ireo lehilahy miaraka amiko dia hanakaiky ny tanàna, ary rehefa mivoaka hanafika antsika izy ireo, dia handositra azy ireo toy ny teo aloha isika. 6 Hanenjika avy aoriantsika izy ireo mandra-pitarintsika azy ireo lavitra ny tanàna. Hilaza izy ireo hoe: 'Mandositra lavitra antsika izy ireo toy ny nataon'izy ireo tamin'ny farany.' Koa handositra hanalavitra azy ireo isika. 7 Avy eo dia hivoaka amin'ny toeram- pierenareo ianareo, ary hambabo ny tanàna. Hanome izany eny am-pelan-tananareo Yaveh Andriamanitrareo. 8 Rehefa azonareo ny tanàna, dia ho doranareo izany. Hataonareo izany rehefa mankatoa ny didy izay nomena tamin'ny tenin'i Yaveh. Indro, efa nandidy anareo aho." 9 Nalefan'i Josoa izy ireo, ka lasa tany amin'ny toeram-piafenana izy ireo, ary niafina teo anelanelan'i Betela sy Ay tao andrefan'i Ay. Fa natory teo amin'ny vahoaka i Josoa ny alin'iny. 10 Nifoha maraina i Josoa ka nanomana ireo miaramilany, Josoa sy ireo loholon'Israely, ka nanafika ireo vahoakan'i Ay izy ireo. 11 Niakatra ireo lehilahy mpiady rehetra izay niaraka taminy ka nanatona ny tanàna. Tonga nanakaiky ny tanàna izy ireo ary nitoby teo avaratr'i Ay. Ary nisy lohasaha iray no manelanelana azy ireo sy Ay. 12 Naka lehilahy teo amin'ny dimy arivo teo izy ary nandefa azy ireo tao amin'ilay fiafenana andrefan'ny tanàna teo anelanelan'ny Betela sy Ay. 13 Nalahatr'izy ireo ny miaramila rehetra, ny tafika lehibe nankao avaratry ny tanàna, ary ny mpiandry vodi-lalana tao andrefan'ny tanàna. Nandeha tao amin'ny lohasaha i Josoa ny alin'iny. 14 Ary raha vao nahita an'izany ny mpanjakan'i Ay, dia nifoha maraina izy sy ny tafiny ary nivoaka mba hanafika an'Israely tany amin'ny toerana tandrifin'ny lohasahan'ny Reniranon'i Jordana. Tsy fanatany fa nisy fandrika niandry hanafika avy ao ambadiky ny tanàna izy. 15 Namela ny tenan'izy ireo ho resy teo anoloan'izy ireo i Josoa sy ny Israely rehetra, ary nandositra tany amin'ny tany efitra izy ireo. 16 Ny olona rehetra izay tao an-tanàna dia nifampiantso hanenjika azy ireo, koa nanenjika taorian'i Josoa izy ireo ka voaroaka lavitra ny tanàna. 17 Tsy nisy ny ambin'ny lehilahy tany Ay sy Betela izay tsy mbola nivoka nanenjika an'Israely. Nandao ny tanàna izy ireo ary namela izany hivoha raha nanenjika an'Israely. 18 Hoy i Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Atondroy eo amin'i Ay ny lefona izay eo an-tananao, fa hatolotro eo am-pelan-tananao i Ay." Nohazonin'i Josoa nanandrify ny tanàna ilay lefona izay teny an-tanànany. 19 Ireo miaramila niafina tao amin'ny fandrika dia nirohatra faingana nivoaka ny toerany raha naninjitra ny tanany izy. Nihazakazaka izy ireo ary niditra tao an-tanàna ary naka izany. Nodoran'izy ireo faingana ny tanàna. 20 Nitodika ireo olon'i Ay ary nijery. Nahita setroka avy tao an-tanàna izy ireo izay niakatra nankany amin'ny lanitra, ary tsy afaka nandositra izy ireo na tetsy na teroa. Fa ireo miaramilan'Israely izay nandositra tany an-tany efitra dia niverina hiatrika ireo olona izay nanenjika azy ireo. 21 Rehefa hitan'i Josoa sy Israely rehetra fa efa azon'ilay tafika miafina ny tanàna niaraka tamin'ny setroka miakatra, dia niverina teo izy ireo ary namono ny olon'i Ay. 22 Ireo miaramilan'Israely hafa, ireo izay nivoaka ny tanàna, dia nivoaka hanafika azy ireo. Ka tratra tao anelanelan'ny tafik'Israely ireo olon'i Ay, ny sasany avy ao andaniny ary ny sasany avy ao ankilany. Notafihan'Israely ny olon'i Ay; tsy nisy na dia iray tamin'izy ireo velona na nandositra. 23 Nalain'izy ireo ny mpanjakan'i Ay, izay nosamborin'izy ireo velona, ary nentin'izy ireo teo amin'i Josoa izy. 24 Rehefa tapitra namono ireo mponin'ny Ay rehetra tany an-tsaha akaikin'ny tany efitra izay nanenjehan'izy ireo azy Israely, ary rehefa lavo tamin'ny lelan-tsabatra izy rehetra, hatramin'ny farany indrindra, dia niverina tany Ay ny Israely rehetra. Notafihan'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra izany. 25 Ireo rehetra izay maty tamin'io andro io, lehilahy sy vehivavy mitambatra, dia roa arivo sy iray alina, izay vahoaka rehetra tao Ay. 26 Tsy nampihemotra ny tanany izay nahinjiny rehefa nitazona ilay lefony i Josoa, mandra-pandringanany tanteraka ny vahoaka rehetra tao Ay. 27 Ny biby fiompy sy ny zavatra babo tao an-tanàna ihany no nalain'Israely ho azy ireo, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Josoa. 28 Nodoran'i Josoa i Ay ary navadiny ho antontan-trano rava mandrakizay izany. Lasa toerana haolo izany hatramin'izao. 29 Nahantony teo amin'ny hazo ny mpanjakan'i Ay mandra-pahariva. Rehefa nilentika ny masoandro, dia nanome ny didy i Josoa ka nalain'izy ireo hidina amin'ny hazo ny fatin'ny mpanjaka ary natsipin'izy ireo teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna. Teo no nananganan'izy ireo antontam-bato lehibe teo ambonin'izany. Mbola mitoetra eo izany antontan-bato izany hatramin'izao. 30 Avy eo i Josoa nanamboatra alitara ho an'i Yaveh, Ilay Andriamanitr'Israely, tao an-tendrombohitr'i Ebala, 31 araka ny nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh ny vahokan'i Israely, araka ny efa voasoratra tao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy hoe: "Alitara iray ho an'ny vato voavoatra, izay tsy nisy na iza na iza nampiasa fitaovana vy tamin'izany." Nanolotra sorona dorana ho an'i Yaveh teo ambony alitara izy, ary nanao sorom-pihavanana izy ireo. 32 Teo, teo anatrehan'ny vahoakan'Israely, dia nanoratra ny dika mitovy tamin'ny lalàn'i Mosesy teo amin'ny vato izy. 33 Ireo Israely rehetra, ireo loholona, ireo manam-pahefana, sy ireo mpitsaran'izy ireo dia nijoro teo amin'ny lafin'ilay fiara roa teo anoloan'ireo mpisorona sy Levita izay nitondra ny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh—ny vahiny tahaka ny tompon-tany—dia nijoro teo anoloan'ny tendrombohitr'i Gerzima ny atsasak'izy ireo ary nijoro teo anoloan'ny tendrombohitr'i Ebala ny atsasany iray hafa. Nitso-drano ny vahoaka an'Israely izy ireo, araka ny nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh azy ireo tamin'ny voalohany. 34 Taorian'izany, dia novakian'i Josoa ireo tenin'ny lalàna rehetra, ireo fitahiana sy ozona, araka izay efa voasoratr'izy ireo ao amin'ny bokin'ny lalàn. 35 Tsy nisy na dia teny iray aza tsy novakian'i Josoa tamin'ireo nandidian'i Mosesy teo anatrehan'ny fivondronan'Israely, anisan'izany ireo vehivavy, ireo zazakely, ary ireo vahiny izay nipetraka teo amin'izy ireo.
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Natambatr'i Yaveh ireo mba hanasongadinana fa tsy hisy tokony hataorana izany.
Fanolorana ireo eo am-pelatanan'ny Israely dia maneho fandresen'ny Israely sy ny fanaraha-maso eo amin'izy ireo. D.H: "Efa natolotro anao ny fandresena sy ny vahoakany teo amin'ny mpanjakan'i Ay, ary efa nomeko fanaraha-maso teo amin'ny tanànany sy ny taniny ianao"
Andriamanitra milaza izay ampanantenainy ho atao na izay efa vitany tamin'izany, satria ho ataony tokoa izany. D.H: "Ho atolotro tokoa" na "Omeko"
Ny teny "azy" dia maneho ny tanànan'ny Ay. Ireo tanàna dia voaresaka matetika raha toa ka vehivavy izy ireo. D.H: "Ny mpanjakany" na "mpanjakan'izy ireo"
"ireo miaramilan'Israely"
"lehilahy 30,000"
Josoa manazava hatrany ny paik'ady amin'ireo miaramilany.
Etoana ny "tany" dia mampiseho fanaraha-maso sy hery an'ny vahoaka teo amin'ireo fahavalony.
Vita ny fanazavan'i Josoa ny paik'ady tamin'ireo miaramilany.
Ity fehezanteny ity dia manambara an'i Josoa ny fandefasany ireo lehilahy telo alina izay efa voatendry hiafina an'ny Ay ka hatrany amin'izay tsy maintsy hametrahan'izy ireo ny fiafenana.
"izay tsy maintsy hiafenan'izy ireo mandrapahatonga ny fotoana hanafiana"
"lehilahy 5,000." Ny vondron'izany dia tahaka ny anjaran'ny " lehilahy telo alina". Ity vondrona kely ity dia napetraka tao amin'ny fiafenana raha vao nanafika ny tanàna ny 25,000 lahy.
Miomana ny hiady amin'ny vahoakan'ny Ay ny Israelita.
Ity dia maneho ny vondrona lehiben'ny fiadivan'ny lehilahy, ireo dia tsy ao anatin'ny vondron'ny fiafenana.
Ireo dia "apetraka ao am-piafenana eo andrefan'ny tanàna"
"Namela ny tenan'izy ireo ho resy teo anoloan'ny vahoakan'ny Ay." Ny fehezanteny "teo anoloan'izy ireo" dia maneho izay tsy maintsy hijerevana sy hieritreretan'ny vahoakan'ny Ay. D.H: "Namela ny vahoakan'ny Ay hieritreritra fa ny Israelita dia resy"
Ny fehezanteny "resy" dia afaka atao tso-draditra. D.H: "Avelao ny vahoakan'ny Ay hieritreritra fa efa naharesy ny vahoakan'Israelita izy ireo"
Ny teny "azy ireo" sy "izy ireo" eto dia maneho ny miaramilan'ny Ay.
Ny teny "izy ireo" sy "azy ireo" eto dia maneho ny miaramilan'ny Israely.
D.H: "Ny lehiben'ny tanàna dia niantso ny vahoaka rehetra miaraka tao an-tanàna"
Ny mpanoratra dia miresaka ny fomba amin'ny ankapobeny ny momba ny vahoaka, saingy ho an'ny olona rehetra izay afaka miady izany. D.H: "Ny vahoakan'ny tanàna rehetra izay afaka manaraka ny miaramilan'ny Israely"
"namela ny vavahadin'ny tanàna hivoha"
Fanolorana an'i Ay eo am-pelatanan'Israely dia manambara fanolorana ny fanaraha-maso sy fandresen'Israely eo amin'ny Ay. D.H: "Hatolotro anao ny fandresena eo amin'ny Ay" na "Ho baboiko anao i Ay"
Samy ampiasain'ny mpanoratra avokoa ireo fehezanteny ireo, izay midika tena fitovian-javatra, mba ilazana mafy izay efa nankatoavan'ny Israelita ny didin'Andriamanitra mba hamonoana ny olona rehetra any Ay.
Eto ny fahalavoana dia midika fahafatesana, ary ny lelan-tsabatra dia maneho na ady na miaramilan'Israely. D.H: "efa maty tamin'ny ady" na "efa maty rehefa nanafika azy ireo ny miaramilan'Israely"
"12,000"
Izany dia toerana nipetrahan'ny olona indray mandeha, saingy amin'izao, tsy misy mipetraka intsony any.
"androany" na "amin'izao"
tendrombohitra iray any Kanana
D.H: "Novakian'i Josoa ny teny rehetra izay nandidian'i Mosesy" na "Novakian'i Josoa ny lalàn'i Mosesy rehetra"
Ity dia maneho ny firenen'Israely.
1 Ary ireo mpanjaka rehetra izay niaina tany an-dafin'ny Jordana tany amin'ny tany havoana, sy tany amin'ireo lemaka amoron-dranomasin'ny Ranomasina Lehibe tandrifin'i Libanona—ireo Hitita, Amorita, Kananita, Perizita, Hivita, ary reo Jebosita— 2 ireo dia niray hina ho eo ambany fifehezana iray, mba hanangana ady amin'i Josoa sy Israely. 3 Rehefa henon'ireo mponin'i Gibeona izay nataon'i Josoa tamin'i Jeriko sy tamin'i Ay, 4 dia nanao tetika an-kafetsena izy ireo. Nandeha ho iraka izy ireo. Nitondra kitapo tonta izy ireo ary nasampiny tamin'ny borikin'izy ireo izany. Nitondra siny hoditra izay tonta, rovitra, sy efa namboarina ihany koa izy ireo. [1]5 Kapa tonta sy nitampina no teny an-tongotr'izy ireo, ary nitafy tranainy, fitafiana tonta. Ireo mofo rehetra tao amin'ny fitoeram-batsin'izy ireo dia kina sy bobongolo. 6 Dia nandeha tany amin'i Josoa tany an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin'ireo lehilahin'Israely hoe: "Efa nandeha avy any amin'ny firenena tena lavitra izahay, ka ankehitriny manaova fifanekena aminay." 7 Hoy ireo lehilahin'Israely tamin'ireo Hivita hoe: "Angamba ianareo monina akaiky anay ihany. Hataonay ahoana ny hanao fifanekena aminareo?" 8 Hoy izy ireo tamin'i Josoa: "Mpanomponao izahay." Josoa namaly azy ireo hoe: "Fa iza ianareo? Avy aiza no niavianareo?" 9 Hoy izy ireo taminy: "Tonga avy tany amin'ny tany tena lavitra ireto mpanomponao, noho ny anaran'i Yaveh Andriamanitrareo. Renay ny tatitra momba Azy sy momba izay rehetra nataony tany Egypta— 10 ary izay rehetra nataony tamin'ireo mpanjakan'ny Amorita roa tany andafin'ny Jordana—tamin'i Sihona mpanjakan'i Hesbona, sy tamin'i Oga mpanjakan'i Basana izay tany Astarta. 11 Hoy ireo loholonay sy ireo mponina rehetra tany amin'ny firenenay taminay hoe: 'Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho amin'ny dia. Mandehana mihaona amin'izy ireo ary lazao izy ireo hoe: "Mpanomponareo izahay. Manaova fifanekena aminay." 12 Ity ny mofonay, mbola nafana ity tamin'izahay naka azy ity tany an-tranonay tamin'ny andro niainganay hankaty aminareo. Kanefa izao, indro, maina sy bobongolo ity. 13 Ireto kitapo hoditra ireto dia vaovao tamin'ny namenoanay azy ireo, dia indro, mitete izy ireo ankehitriny. Ireo fitafinay sy ireo kapanay dia simba nohon'ny dia tena lavitra.'" 14 Dia naka sasany tamin'ny vatsiny ireo Israelita, nefa tsy naka hevitra tamin'i Yaveh izy ireo ho fitarihana. 15 Josoa nihavana tamin'izy ireo sy nanao fifanekena tamin'izy ireo, mba hamelàna azy ireo ho velona. Ireo mpitarika ny vahoaka ihany koa dia nanao voady tamin'izy ireo. 16 Telo andro taorian'ny nanaovan'ireo Isrelita izany fifanekena izany tamin'izy ireo, dia fantatr'izy ireo fa hay mpifanolo-bodirindrina izy ireo ary nonina nifanakaiky teo. 17 Avy eo dia niainga ny vahoakan'Israely ary tonga tany amin'ny tanànan'izy ireo tamin'ny andro fahatelo. Ny tanànan'izy ireo dia Gibeona, Kefira, Berota, ary Kiriata Jearima. 18 Tsy nanafika azy ireo ny vahoakan'Israely satria ireo mpitarika azy ireo dia efa nanao fianianana momba azy teo anatrehan'i Yaveh, Andriamanitr'Israely. Nimonomononan'ireo Israelita rehetra ireo mpitarika azy ireo. 19 Ka hoy ireo mpitarika rehetra tamin'ny vahoaka manontolo: "Nanao fianianana nahakasika azy ireo tamin'i Yaveh, Andriamanitr'Israely izahay, ary tsy afaka hanao ratsy azy ireo isika ankehitriny. 20 Izao no hataontsika amin'izy ireo: Mba hialana amin'ny fahatezerana izay mety hitranga amintsika noho ny fianianana nianianantsika tamin'izy ireo, dia avelantsika ho velona izy ireo." 21 Hoy ireo mpitarika tamin'ny vahoakan'izy ireo: "Avelao izy ireo ho velona." Noho izany, ireo Gibeonita dia lasa mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ireo Israelita rehetra, araka izay nolazain'ireo mpitarika momba azy ireo. 22 Niantso azy ireo Josoa ka niteny hoe: "Nahoana ianareo no namitaka anay raha niteny hoe: 'Tena lavitra anareo izahay,' nefa ianareo monina eto aminay? 23 Ankehitriny, noho izany, dia voaozona ianareo ary ny sasany aminareo dia ho andevo foana, ireo izay manapaka hazo sy mantsaka rano ho an'ny tranon'Andriamanitro." 24 Namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: "Satria nolazaina tamin'ireto mpanomponao fa Yaveh Andriamanitrao nandidy an'i Mosesy mpanompony mba hanome anao ny tany rehetra, ary handringana ireo mponin'ny tany rehetra eo anatrehanao— noho izany dia natahotra mafy ny amin'ny ainay izahay noho ianao. Izany no nahatonga anay nanao izao zavatra izao. 25 Ankehitriny, indro, tananao amin'ny fahefanao izahay. Na inona na inona toa tsara sy marina aminao hatao aminay, dia ataovy izany." 26 Dia izao no nataon'i Josoa ho azy ireo: nesoriny tsy ho eo ambany fifehezan'ny vahoakan'Israely izy ireo, ary tsy novonoin'ireo Israelita. 27 Nataon'i Josoa mpanapaka hazo sy mpantsaka rano ho an'ny fiarahamonina, sy ho an'ny alitaran'i Yaveh ireo Gibeonita tamin'io andro io, mandrak'androany, eo amin'ny toerana izay safidian'i Yaveh.
anarana fohy ho an'ny Reniranon'ny Jordana
Eto ny "fifehezana" dia maneho ny iray izay nandidy azy ireo. Ho eo ambany fahefany dia maneho ny fankatoavana ireo lalàny. D.H: "fankatoavana ireo lalàn'ny lehibe iray"
teti-kafetsena iray natao hamitahana an'i Josoa sy ireo Israelita.
"maina sy feno bobongolo" na "lo sy simba"
Izany dia maneho ny firenen'Israely manontolo.
Izany dia anarana hafa ho an'ireo Gibeonita
Josoa dia manasongadina fa ny vahoakan'Israely dia tsy maintsy manaraka ny didin'i Yaveh ambonin'ny rehetra. D.H: "Raha mitoetra miaraka aminareo izahay, dia tsy afaka ny hanao fanekena aminareo."
Izany dia anarana fohy ho an'ny Reniranon'ny Jordana.
Izany dia anaram-pandresen'i Amorita mpanjaka.
Izany dia anarana tanàn'andriana an'ny firenen'i Moaba.
Izany dia anaram-pandresen'i Basana mpanjaka.
Izany dia anara-tanàna fantatra amin'ny fanompoana ireo andriamanitra amin'ny anarana mitovy.
Ity fehezanteny ity dia midika hoe "alaivo miaraka aminareo." Etoana ny teny "tanana" dia manambara fanana avy amin'ireo vatsin'ny Gibeonita.
Ny teny "izy ireo" dia maneho ny vahoakan'Israely.
Ireo fehezanteny roa ireo dia milaza fa zava-mitranga mitovy. Josoa, lehiben'ny firenen'Israely, dia nampanantena ny tsy hamono ireo Gibeonita. Ny lehiben'ny firenen'Israely, dia nanao fanekena mitovy, torak'izany koa.
Eto dia maneho ny vahoakan'Israely.
Izany dia maneho hisa telo milamina.
Izany dia iray amin'ireo tanàn'ny Gibeonita.
Izany dia anaran-toerana.
Izany dia anaran-toerana.
Eto ity fahezanteny ity dia maneho ny firenen'Israely.
"ireo Gibeonita dia lasa mpikapa hazo sy mpitona rano"
Eto ity fehezanteny ity dia maneho toerana fipetrahan'i Yaveh, ny Tabernakely.
Ny teny "tsara" sy "marina" amin'ny ankapobeny dia midika fitovian-javatra. D.H: "Na inona na inona toa tsara tarehy sy tsotra"
Ny teny "azy ireo" dia maneho an'ireo Gibeonita.
Ny fehezantena "mandrak'androany" dia maneho ny fahaveloman'ny mpanoratra. D.H: "na dia ankehitriny aza"
1 Ary rehefa ren'i Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa babon'i Josoa i Ay ary nopotehiny tanteraka izany (tahaka ny nanaovany an'i Jeriko sy ny mpanjakany), reny ihany koa fa efa nihavana ny vahoakan'ny Gibeona sy ny Israely ary niara-nonina izy ireo. 2 Dia raiki-tahotra tanteraka ny vahoakan'i Jerosalema satria Gibeona dia tanàna lehibe, toy ny iray amin'ireo tanànan'andriana. Lehibe noho i Ay izany, ary ny lehilahiny dia mpiady mahery avokoa. 3 Noho izany Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, dia nandefa hafatra tany amin'i Hohama, mpanjakan'i Hebrona, tany amin'i Pirama, mpanjakan'i Jarmota, tany amin'i Jafia, mpanjakan'i Lakisy, ary tany amin'i Debira, mpanjakan'i Eglona hoe: 4 "Miakara aty amiko ary ampio aho. Andeha hotafihantsika i Gibeona satria izy ireo dia efa nihavana tamin'i Josoa sy tamin'ny vahoakan'Israely." 5 Ireo mpanjaka dimin'ny Amorita, ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona dia niakatra, izy ireo sy ireo tafiny rehetra. Nametraka ny rafitra hanoherana an'i Gibeona izy ireo, ary nanafika izany. 6 Nandefa hafatra tany amin'i Josoa sy tany amin'ny tafika tany Gilgala ny vahoakan'i Gibeona. Hoy izy ireo hoe: "Faingàna! Aza esorina eo amin'ny mpanomponareo ny tananareo. Miakara haingana aty aminay, ary vonjeo izahay. Ampio izahay, satria ireo mpanjakan'ny Amorita rehetra monina eny amin'ny tany havoana dia efa nitambatra ho iray mba hanafika anay." 7 Niakatra avy tany Gilgala i Josoa, izy sy ireo lehilahy mpiady rehetra niaraka taminy, ary ireo lehilahy mpanafika rehetra. 8 Ary Yaveh niteny tamin'i Josoa hoe: "Aza matahotra azy ireo. Efa nomeko ho eo am-pelan-tananao izy ireo. Tsy hisy na iray amin'izy ireo hahasakana ny fanafihanao." 9 Tonga tampoka teo amin'izy ireo i Josoa, rehefa nandeha nandritra ny alina tontolo avy any Gilgala. 10 Nasafotofoton'i Yaveh teo anoloan'Israely ny fahavalo, ary Israely namono azy ireo tamin'ny famonoana lehibe tao Gibeona ary nanenjika azy ireo tamin'ny lalana miakatra mankany Beti-horona, ary izy ireo namono azy ireo teny an-dalana mankany Azeka sy Makeda. 11 Raha nitsoaka an'Israely izy ireo, nidina ny vohitra avy any Beti-horona, Yaveh nanipy vato lehibe avy eny amin'ny lanitra teo ambonin'izy ireo tamin'ny lalana rehetra mankany Azeka, ary maty izy ireo. Maro ireo matin'ny havandra noho ny matin'ny sabatr'ireo lehilahin'Israely. 12 Ary Josoa niteny tamin'i Yaveh tamin'ny andro nanomezan'i Yaveh ny lehilahin'Israely fandresena teo anatrehan'ireo Amorita. Izao no tenin'i Josoa tamin'i Yaveh teo anoloan'Israely: "Ry masoandro, mijanòna ao Gibeona, ary ny volana, ao amin'ny lohasaha Aialona." 13 Dia nijanona ny masoandro, ary nitsaha-nihetsika ny volana mandra-pamalifatin'ny firenena ireo fahavalony. Tsy voasoratra ao anaty Bokin'i Jasara ve izany? Ny masoandro nijanona teo afovoan'ny habakabaka; tsy nilentika efa ho iray andro maninjitra izany. 14 Tsy nisy andro hafa tahaka izany taloha na taorian'io, rehefa nankatoa ny feon'ny olona i Yaveh. Satria Yaveh dia niady ho an'Israely. 15 Niverina tany an-toby tany Gilgala i Josoa sy ireo Israely rehetra niaraka taminy. 16 Ireo mpanjaka dimy nandositra sy nanafina ny tenany tao anaty lava-bato tao Makeda. 17 Dia nolazaina tamin'i Josoa izany hoe: "Efa hita izy ireo! —miafina ao anaty lava-bato ao Makeda ireo mpanjaka dimy!" 18 Hoy Josoa hoe: "Manakodiava vato lehibe eo am-bavan'ilay lava-bato ary mametraha miaramila ao mba hiambina azy ireo. 19 Fa aza mijanona ianareo. Enjeho ny fahavalonareo ary tafiho avy ao aoriana izy ireo. Aza avela hiditra ny tanànany izy ireo, satria Yaveh Andriamanitrareo efa nanolotra azy ireo ho eo an-tananareo." 20 Josoa sy ireo zanak'Israely efa nandringana azy ireo tamin'ny famonoana lehibe, mandra-paharingana azy ireo tanteraka; ireo izay sisa velona ihany no afa-nandositra namonjy ny tanàna mimanda. 21 Ary ny miaramila manontolo niverina am-pilaminana tany amin'i Josoa tao an-toby tao Makeda. Tsy nisy na iray sahy niteny teny manohitra ny vahoakan'Israely. 22 Ary Josoa niteny hoe: "Sokafy ny lava-bato ary ento mivoaka avy ao eto amiko ireo mpanjaka dimy." 23 Dia nataon'izy ireo araka izay nolazainy. Nentin'izy ireo avy tao an-dava-bato ho eo aminy ireo mpanjaka dimy—ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona. 24 Rehefa tongan'izy ireo teo amin'i Josoa ireo mpanjaka, dia niantso ny lehilahin'Israely rehetra izy. Niteny tamin'ireo mpifehy ny miaramila izay niaraka taminy tany an'ady izy hoe: "Apetraho eo amin'ny vozony ny tongotrao." Dia niakatra izy ireo ary nametraka ny tongony teo amin'ny vozon'ireo. 25 Ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Aza matahotra ary aza mivadi-po. Mahereza sy matanjaha. Izao no hataon'i Yaveh amin'ireo fahavalonao rehetra izay andehananao hiady." 26 Ary Josoa namely sy namono ireo mpanjaka dimy. Nahantony tamin'ny hazo dimy izy ireo. Nihantona teo amin'ny hazo izy ireo mandra-pahariva ny andro. 27 Raha ilay mody masoandro iny, dia nanome baiko i Josoa, ka nampidinin'izy ireo avy eo amin'ny hazo ireo ary natsipiny tao anatin'ilay lava-bato izay niafenany. Nasian'izy ireo vato lehibe ny vavan'ilay lava-bato. Mbola ao ireo vato ireo mandrak'androany. 28 Toy izany, no nambaboan'i Josoa an'i Makeda tamin'izany andro izany, sy namonoany ny olon-drehetra tao tamin'ny sabatra, anisan'izany ny mpanjakany. Naringany tanteraka izy ireo sy ireo zava-miaina rehetra tao. Tsy nisy navelany ho velona. Tahaka ny nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko ihany no nataony tamin'ny mpanjakan'i Makeda. 29 Niainga avy tao Makeda ho any Libna i Josoa sy ireo Israely rehetra. Dia niady tamin'i Libna izy. 30 Nomen'i Yaveh ho eo an-tanan'Israely ihany koa izany—hatramin'ny mpanjakany. Josoa namely ny zava-miaina rehetra tao tamin'ny sabatra. Tsy namelàny niangana tao. Tahaka ny nanaovany ny mpanjakan'i Jeriko ihany no nanaovany ny mpanjaka. 31 Ary niainga avy ao Libna ho any Lakisy i Josoa sy ireo Israely rehetra niaraka taminy. Nitoby tao izy ary niady taminy. 32 Dia natolotr'i Yaveh teo an-tanan'Israely i Lakisy. Tamin'ny andro faharoa no nambaboan'i Josoa azy. Naringany tamin'ny sabatra ny zava-miaina rehetra tao, tahaka ny nanaovany an'i Libna. 33 Ary Horama, mpanjakan'i Gazera, niakatra mba hanampy an'i Lakisy. Fa Josoa namely azy sy ny tafiny mandra-paha tsy nisy niangana intsony na dia iray aza. 34 Ary Josoa sy ireo Israely rehetra niaraka taminy niainga avy tao Lakisy ho any Eglona. Nitoby tao sy niady taminy izy ireo, 35 ary nambabo azy tamin'io andro io ihany. Namely izany tamin'ny sabatra izy ireo ary nandringana tanteraka ny olona rehetra tao, tahaka ny nanaovan'i Josoa an'i Lakisy. 36 Ary niainga avy ao Eglona Josoa sy ireo Israely rehetra ho any Hebrona. Niady taminy izy ireo. 37 Nambabo azy izy ireo ary namely ny olona rehetra tao tamin'ny sabatra, anisan'izany ny mpanjaka sy ireo zana-bohitra rehetra manodidina. Naringan'izy ireo tanteraka ny zava-miaina rehetra tao, tsy nisy navela niangana, tahaka ny nanaovan'i Josoa an'i Eglona. Naringany tanteraka izany, sy ireo zava-miaina rehetra tao aminy. 38 Dia niverina Josoa, sy ny tafik'Israely rehetra niaraka taminy, ka nankany Debira izy ireo ary niady taminy. 39 Nambabo izany sy ny mpanjakany izy, ary ireo zana-bohitra nanaiky rehetra. Namely azy ireo tamin'ny sabatra izy ireo, ary nandringana tanteraka ireo zava-miaina rehetra tao aminy. Tsy nisy navelan'i Josoa hiangana, tahaka ny nanaovany an'i Hebrona sy ny mpanjakany, sy tahaka ny nanaovany an'i Libna sy ny mpanjakany. 40 Josoa nandresy ny tany rehetra, ny tany havoana, Negeva, ireo tany iva, ary ireo fototr'havoana. Tsy nisy navelany hiangana na dia iray tamin'ireo mpanjakany rehetra. Naringany tanteraka ireo zava-miaina rehetra, tahaka ny efa nandidian'i Yaveh, Andriamanitr'Israely. 41 Josoa namely azy ireo tamin'ny sabatra nanomboka tao Kadesy-barnea ka hatrany Gaza, sy ny tanànan'ny Gosena rehetra ka hatrany Gibeona. 42 Josoa nambabo indray mandeha ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny satria Yaveh, Andriamanitr'Israely, no niady ho an'Israely. 43 Ary Josoa, sy ireo Israely rehetra niaraka taminy, dia niverina tany amin'ny toby tao Gilgala.
Ity teny ity dia nampiasaina eto anamarihana ilay faharavan'ny tantara lehibe. Eto ny mpanoratra dia milaza ny mahakasika ny olona vaovao ao amin'ny tantara, Adoni-zedeka.
Izany dia anaran'ilay lehilahy izay mandan-danja amin'ny mpanjaka.
Ireo dia anara-tanàna.
Ireo dia anarana mpanjaka
"Mandehana ami,'izay misy ahy." Jerosalema dia avo amin'ny ambony noho ireo tanàna an'ny Kanaana hafa.
"mpanjaka 5"
Ireo dia anarana tanàna
Izany dia midika fa nametraka ny tobiny nanerana ny tanànany izy ireo. Izany dia fomba fahatanjahana ireo izay ao an-tanàna. Izany dia nisoroahana ny vahoaka avy amin'ny fitsoahana an-tanàna, ary nisorohana ny hafa avy amin'ny fitondrana sakafo sy rano azy ireo ao an-tanàna.
Ny teny "Izy ireo" eto dia maneho an'ireo Gibeonita.
Izany fangatahana tsara izany dia voalaza amin'ny hevitra ratsy roa anasongadinana ny filàna ho amin'ny fihetsika tsara. D.H: "Mba tongava ary ampiasao ny herinao mba hiarovana anay."
Ny teny "tanana" eto dia maneho ny herin'ny vahoakan'Israely. D.H: "ny herinareo"
Etoana "tanana" dia maneho ny herin'ny vahoakan'Israely sy ny fahaizany mba handresena ireo fahavalony. Ny teny "izy ireo" dia manambara ny fanafihan'ireo miaramila.
Eto ny teny "azy ireo" dia maneho ny fanafihan'ireo miaramila.
Ny miaramila lehiben'Israely dia voalaza tamin'ny alalan'ny anaran'ireo mpibaiko, Josoa.
Etoana "Israely" dia maneho ireo miaramilan'Israely lehibe.
Ireo dia anaran'ireo tanàna.
Ireo dia anaran'ireo toerana.
"Nanipy havandra lahibe avy eny amin'ny lanitra"
Josoa dia mivavaka fa Yaveh tsy maintsy hanao fandrosoam-potoana mitsahatra amin'ity andro ity.
Mandidy ireo masoandro sy volana toy ireo vahoaka.
Izany dia anaran-toerana.
Ity dia maneho ny firenen'Israely.
Ny mpanoratra mampiasa izany fanontaniana izany tahaka ny fampahafantarana fototra ampahatsiahivana ny mpamaky fa tsara ny zava-nitranga. D.H: "Izany dia voasoratra tao amin'ny bokin'ni Jasara."
Ity dia anaran-tanàna.
Tonga ireo mpitondra hafatra ary nilaza tamin'i Josoa. D.H: "Olona iray nilaza tamin'i Josoa"
Ny fehezanteny "ny tananareo" eto dia midika "ny fanaraha-maso nareo."
Ireo dia anaran'ireo tanàna.
Etoana "teny iray" dia maneho ny firesahana amin'ireo fahavalo mahakasika an'Israely. D.H: "Tsy nisy na iray sahy nitaraina na nihetsika nanohitra"
Etoana "lavaka" dia fomba fiteny izay midika "fidirana". D.H: "Sokafy ny fidiram-bato"
Ireo dia anaran-toerana.
ny miaramilan'ny Israely tsirairay.
"nandrapahatonga ny mpanoratra ity tantara ity"
Ity dia anaran-tanàna.
Ny fehezanteny faha roa dia mamintina ny fehezanteny voaloha anasongadinana izay tsy namelan'i Josoa olona na biby velona.
It dia anaran-tanàna.
Etoana "ny tanana" midika "fanaraha-maso." D.H: "nanome fanaraha-maso izany tamin'Israely."
Ireo dia anaran-tanàna.
Ity fehzanteny ity dia midika "fanomezana fanaraha-maso amin'ny firenen'Israely." D.H: "Natolotr'i Yaveh teo amin'ny fanaraha-mason'ny Israely ny Lakisy."
Ity dia anaran-dehilahy izay mpanjaka manan-danja.
Ireo dia anaran-tanàna.
Ireo dia anaran-tanàna.
Ireo fehezanteny roa ireo dia manana dika mitovy. Mampiseho fiarahana tanteraka amin'ny fapotehin'i Eglona izy ireo.
Ity dia anaran-tanàna.
Ny sabatra dia manambara ny miaramilan'Israely ary ny famelezana dia maneho ny hevitra famonoana sy fahapotehina. D.H: "Nambabo izy ireo ary namono sy nandringana."
Ireo fehezanteny roa ireo dia milaza zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary natambatra ho amin'ny fanasongadinana. Nasongadin'izy ireo miaraka ny fahapotehina tanterak'i Hesbona.
Ireo dia anaran-tanàna.
Ny sabatra dia manambara ny miaramilan'Israely ary ny famelezana dia hevitra nandringanana sy fapotehina"
Ireo fehezanteny roa ireo mizara dika mitovy ary manasongadina ny fapotehina tanteraka izay nanatanterahan'ny vahoakan'Israely ny didin'Yaveh.
Ny sabatra dia manambara ny miaramilan'Israely ary ny famelezana dia maneho ny hevitra famonoana sy fandringanana. D.H: "Novonoin'i Josoa sy noringaniny izy ireo"
Ity dia maneho amin'ireo mpanjaka sy ireo tany izay natsofoka tanaty lisitra tany am-piatombohana.
Eto Josoa dia maneho ny miaramilany rehetra. D.H: "Josoa sy ireo miaramilany dia babo"
Ity dia tsy midika iray andro. Ity dia midika hoe mandritry ny vondron'ny miaramila iray, izay mety efa namarana andro na herinandro maromaro.
1 Rehefa ren'i Jabina, mpanjakan'i Hazora izany, dia nandefa hafatra ho an'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona, ary ny mpanjakan'i Aksafa izy. 2 Nalefany tany amin'ireo mpanjaka izay any amin'ny tany havoana avaratra, sy tany amin'ny lohasaha amin'ny reniranon'i Jordana any atsimon'i Kinerota, sy tany amin'ny tany lemaka, ary tany amin'ny tany havoan'i Dora mankany andrefana ihany koa ilay hafatra. 3 Nandefa hafatra tany amin'ireo Kananita mankany atsinanana sy andrefana, sy tany amin'ireo Amorita, ireo Hetita, ireo Perizita, ireo Jebosita any amin'ny tany havoana, sy tany amin'ireo Hivita any amin'ny Tendrombohitra Hermona any amin'ny tanin'i Mizpa ihany koa izy. 4 Nivoaka niaraka tamin'izy ireo avokoa ny tafik'izy ireo rehetra, miaramila maro an'isa, toy ny fasika eny amoron-dranomasina. Nanana soavaly sy kalesy maro an'isa izy ireo. 5 Nihaona tamin'ny ora voatondro ireo mpanjaka rehetra ireo, ary nitoby teo amin'ny ranon'i Meroma mba hiady amin'Israely. 6 Hoy Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Aza matahotra eo amin'ny fanatrehan'izy ireo, satria rahampitso amin'izao fotoana izao dia manolotra azy ireo amin'Israely rehetra tahaka ny olona maty Aho. Ho vonoinao ny soavalin'izy ireo, ary ho doranao ny kalesin'izy ireo." 7 Dia tonga Josoa sy ireo lehilahy mpiady rehetra. Tonga tampoka tany amin'ny ranon'i Meroma izy ireo, ka nanafika ny fahavalo. 8 Natolotr'i Yaveh teo an-tanan'Israely ny fahavalo, ary namely azy ireo tamin'ny sabatra sy nanenjika azy ireo tany Sidona, Misrefota-maima, sy tany amin'ny Lohasahan'i Mizpa any atsinanana izy ireo. Namono azy ireo izy mandra-paha tsy nisy na dia iray aza sisa tavela. 9 Nataon'i Josoa tamin'izy ireo arak'izay nolazain'i Yaveh taminy. Nataony nandringa ireo soavaly ary nodorany ireo kalesy. 10 Niverina i Josoa tamin'izany fotoana izany ary nambabo an'i Hazora. Notsatohiny tamin'ny sabatra ny mpanjaka tao. (Lohan'ireo fanjakana rehetra ireo i Hazora.) 11 Novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra ny zava-manan'aina rehetra izay tao, ary natokany ho ravàna ireo, ka dia tsy nisy zava-manan'aina tavela. Avy eo nodorany i Hazora. 12 Lasan'i Josoa avokoa ny tanànan'ireo mpanjaka rehetra ireo. Nosamboriny ihany koa ny mpanjakan'ireo rehetra ary notsatohiny tamin'ny sabatra. Naringany tanteraka tamin'ny sabatra izy ireo, araka ny nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh. 13 Tsy nandoro ireo tanàna niorina teny amin'ny dongon-tany i Israely, afa-tsy Hazora. Io ihany no nodoran'i Josoa. 14 Nalain'ny tafik'Israely ny babo rehetra avy amin'ireo tanàna ireo niaraka tamin'ny biby fiompy mba ho azy ireo. Novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra ny zanak'olombelona rehetra mandra-pahafatin'ny rehetra. 15 Tsy nisy zava-manan'aina navelan'izy ireo ho velona. Araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy mpanompony, dia tahaka izany koa, no nandidian'i Mosesy an'i Josoa, ka nataon'i Josoa izany. Tsy nisy zavatra navelany tsy ho vita izay rehetra nandidian'i Yaveh ho atao. 16 Nalain'i Josoa avokoa izany tany rehetra izany, ny tany havoana, Negeva iray manontolo, ny tanin'i Gosena iray manontolo, ireo lemaka amoron-tsiraka, lohasahan'ny Renirano Jordana, ny tany havoan'Israely, ary ireo tany lemaka. 17 Hatrany amin'ny tendrombohitra Halaka akaikin'i Edoma, sy nianavaratra lavitra toa an'i Bala-gada tany amin'ny lohasaha akaikin'i Libanona ambanin'ny Tendrombohitra Hermona, dia nosamboriny avokoa ny mpanjakan'izy ireo ary novonoiny. 18 Efa ela Josoa no niady tamin'ireo mpanjaka rehetra. 19 Tsy nisy tanàna nanao fihavanana tamin'ny tafik'Israely ankoatra ireo Hivita izay nonina tany Gibeona. Lasan'Israely avokoa ireo tanàna sisa tavela an'ady. 20 Satria Yaveh no nanamafy ny fon'izy ireo dia niady nanohitra an'Israely izy ireo, mba hahafahany mamotika tanteraka azy ireo tsy misy indrafo, araka ny nandidiany an'i Mosesy. 21 Avy eo tonga Josoa tamin'izany fotoana izany ka nopotehiny i Anakima. Nataony tany amin'ny tany havoana, tany Hebrona, Debira, Anaba, ary ireo tany havoan'i Joda rehetra izany, sy tany amin'ny tany havoan'Israely rehetra. Nopotehin'i Josoa tanteraka izy ireo sy ireo tanàna. 22 Tsy nisy Anakita tavela teo amin'ilay tanin'Israely ankoatra an'i Gaza, Gata, ary Asdoda. 23 Noho izany dia lasan'i Josoa avokoa ny tany iray manontolo, araka ny nolazain'i Yaveh an'i Mosesy. Nomen'i Josoa ho lovan'Israely izany, notendrena ho an'ireo foko tsirairay. Avy eo ilay tany nitsahatra tamin'ny ady.
Ireo dia anarana mpanjaka.
Ireo dia anaran-toerana.
Ny mpanjaka ny Kananita rehetra manafika an'i Josoa sy ireo firenen'Israely.
Ity fanitarana manasongadina ny miaramila maro an'isa ity dia ireo mpanjaka nivondrona. D.H: "na ny isa lahiben'ireo miaramila izay nivoaka tany mba ho toy ny isan'izy ireo tahaka ny voam-pasika eny amoron-dranomsina tany"
Ireo dia anaran-toerana.
Yaveh manome fahefana an'Israely mba handresy ny miaramila fahavalo ary hamono ireo miaramila rehetra izay voalaza tahaka ny namonoan'i Yaveh ireo miarmaila ary avy eo nanolotra azy ireo tamin'Israely. D.H: "Manome fahefana an'Israely Aho hamono azy rehetra amin'ny ady"
"Handringa ireo soavaliny amin'ny fanapahana ny tongotr'izy ireo."Izany dia fampiarana rehefa manapaka ny oza-tongony mba tsy afahan'ireo soavaly mamindra.
Ity dia anaran-toerana.
Eto ny teny "tanana" dia manambara hery. Yaveh manome fahefana ireo miaramilan'Israely mba handresy ireo fahavalony izay voalaza tahaka ny nanomezan'i Yaveh ireo miaramila fahavalo teo an-tanan'ireo Israely. D.H: "Yaveh manome fahefana ireo miarmaila Israely mba handresy ny fahavalo"
Eto ny teny "sabatra" maneho ireo fitaovam-piadina rehetra izay nampiasain'izy ireo hanafihan'izy ireo ireo fahavalony. D.H: "nanafika azy ireo tamin'ny fitaovam-piadiany izy ireo...nanafika azy ireo"
Ity dia anaran-toerana.
Ity dia fampiarana rehefa manapaka ireo hoza-tongony izay tsy afahan'ireo soavaly mitsoaka.
"Novonoin'i Josoa tamin'ny sabany ny mpanjakan'i Hazora"
Nahalasan'ny Hazora tanàna manan-danja indrindra dia voalaza tahaka an'ny Hazora lasa lohan'ireo fanjakana sasany. D.H: "Efa lasa manan-danja indrindra eo amin'ireo fanjakana rehetra i Hazora"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mizara dika mitovy ary anasongadinana ny fahapotehina tanteraka.
Ny teny "izy" dia maneho amin'i Josoa ary sarin-teny amin'ny miaramila izay nentiny. Ny faharavan'ny zava-manan'aina rehetra tao an-tanàna dia voalaza toy ireo zava-manan'aina natoka ho amin'ny fandringanana. D.H: "noringanin'ny miaramila tanteraka izy ireo."
"namono azy ireo"
"tanàna miorina eny amin'ny havoana kely"
Ity fehezanteny itry dia maneho ny tafik'Israely.
Ireo fehezanteny ra ireo dia mizara dika mitovy ary manasongadina ny fandringanan tanteraka.
Ity andian-teny ity manasongadina fa i Josoa dia nanao ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh. D.H: "Nataon'i Josoa izay nandidian'i Yaveh"
Ireo dia anaran-toerana.
Yaveh no nahatonga ny vahoakan'ny tanàna lasa mafy loha izay voalaza toy ny nanamafisan'i Yaveh ny fon'izy ireo. D.H: "Yaveh no nahatonga azy ireo nahery fihetsika."
Ireo dia taranak'i Anaka.
Ireo dia anaran-toerana.
Josoa manome ny tany amin'ny Isrelita dia voalaza toy ny efa nanomezany an'ny Israelita lova iray ho fananana maharitra. D.H: "Nomen'i Josoa an'Israelita ny tany ho fananana maharitra."
Ny tsy fiadivan'ny vahoaka intsony dia voalaza fa ny tany dia olona iray izay mamela ady. D.H: "tsy niady intsony ny olona ao amin'ny tany" na "nisy filaminana tao amin'ny tany"
1 Ary indreto ireo mpanjakan'ny tany, izay resin'ireo lehilahin'i Israely. Nalain'ireo Israelita ny harenan'ny tany tany amin'ny ilany atsinanan'i Jordana izay hiposahan'ny masoandro, nanomboka teo amin'ny lohasahan-driaka Arnona hatramin'ny tendrombohitra Hermona, ary ny Araba rehetra hatrany atsinanana. 2 Sihona, mpanjakan'ny Amorita, dia nonina tany Hesbona. Nanjaka hatrany Aroera, izay eo amin'ny sisin'ny Harambaton'i Arnona avy eo afovoan'ny lohasaha izy, ary ny atsasak'i Gileada mitsotsorika hatrany amin'ny reniranon'i Jaboka any amin'ny sisin-tanin'ny Amonita. 3 Nanjaka tamin'i Araba hatrany amin'ny ranomasin'i Kinerota koa i Sihona, hatrany atsinanana, hatrany amin'ny ranomasin'i Araba (Ranomasintsira) atsinanana, ny lalana rehetra hatrany Beti-jesimota sy atsimo, am-pototry ny Tendrombohitra Pisga. 4 Oga, mpanjakan'i Basana, iray amin'ny Refaïma sisa, dia nonina tao Astarta sy Edrehy. 5 Nanjaka tamin'ny tendrombohitr'i Hermona, Saleka, ary Basana rehetra, hatramin'ny faritanin'ny mponin'i Gesorita sy ny Makatita izy, ary ny atsasak'i Gileada, hatramin'ny faritanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona. 6 Nandresy azy ireo i Mosesy mpanompon'i Yaveh, sy ny vahoakan'Israely, ary Mosesy mpanompon'i Yaveh, no nanolotra ny tany mba ho fananan'ireo Robenita, sy Gadita, ary ny atsasa-pokon'i Manase. 7 Ireto ireo mpanjakan'ny tany izay resin'i Josoa sy ny vahoakan'Israely tany andrefan'i Jordana, nanomboka tao Bala-gada ao amin'ny lohasaha akaikin'i Libanona hatrany an-tendrombohitra Halaka akaikin'i Edoma. Nanome tany ho an'ireo fokon'Israely i Josoa mba ho fananan'izy ireo. 8 Nomeny azy ireo ny tany havoana, ireo tany lemaka, ilay Araba, ireo sisin'ireo tendrombohitra, ny tany efitra, ary ny Negeva—dia ny tanin'ireo Hetita, Amorita, Kananita, Perzita, Hivita, ary ireo Jebosita. 9 Ireo mpanjaka dia ahitana ny mpanjakan'i Jeriko, ny mpanjakan'i Ay izay eo akaikin'i Betela, 10 ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Enaima, 11 ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, 12 ny mpanjakan'i Eglona, ny mpanjakan'i Gazera, 13 ny mpanjakan'i Debira, ny mpanjakan'i Gadera, 14 ny mpanjakan'i Horma, ny mpanjakan'i Arada, 15 ny mpanjakan'i Libna, ny mpanjakan'i Adolama, 16 ny mpanjakan'i Makeda, ny mpanjakan'i Betela, 17 ny mpanjakan'i Tapoa, ny mpanjakan'i Hefera, 18 ny mpanjakan'i Afeka, ny mpanjakan'i Lasarona, 19 ny mpanjakan'i Madona, ny mpanjakan'i Hazora, 20 ny mpanjakan'i Simrona-merona, ny mpanjakan'i Aksafa, 21 ny mpanjakan'i Tanaka, ny mpanjakan'i Megido, 22 ny mpanjakan'i Kadesy, ny mpanjakan'i Jokneama, 23 ny mpanjakan'i Dora, ny mpanjakan'i Goyema any Gilgala, 24 ary ny mpanjakan'i Tirza. Iraika amby telopolo no isan'ireo mpanjaka rehetra.
Ity teny ity eto dia nampiasaina hanamarihana ny fahapotehina tao amin'ny fizotry ny tantara. Eto ny mpanoratra dia manomboka manome fampahafantarana fototra.
Ity dia maneho ny lisitry ny mpanjaka izay manohy manoloana ny andininy 24.
Ireo dia anaran-toerana.
Izany dia anarana tanàn'andriana an'ny firenen'i Sihona.
Ity dia toerana. Io dia anaran-toerana.
Ireo dia anaran-toerana
Izany dia anaram-pandresen'i Basana mpanjaka
Ireo dia anarana vondron'olona.
Ireo dia taranak'i Rebonita.
Ireo dia taranak'i Gada.
Ireo dia antsoina hoe atsasakin'ny foko satria ny atsasakin'ny foko hafa dia nandray ilay lova tao amin'ny tanin'ny Kanaana.
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo dia anaran-tanàna.
Ireo dia anaran-tanàna.
Ireo dia anaran-tanàna.
Ireo dia anaran-tanàna.
iray ao amin'ny rehetra-"31 ao amin'ny rehetra"
1 Ary efa tena antitra tokoa i Josoa rehefa nilaza taminy i Yaveh hoe: "Tena antitra tokoa ianao, kanefa mbola betsaka ireo tany ho baboina. 2 Ity ny tany izay mbola tavela: ireo faritra rehetra ao amin'ny Filistina, ary ireo rehetra any Gesriana, 3 (avy any Sikora, izay any atsinanan'i Egypta, sy avaratry ny sisin'ny Akarona, izay heverina ho fananan'ireo Kananita; ireo mpanapaka dimin'ireo Filistina, ireo izay any Gaza, Azota, Askalona, Geta, ary Akarona—ireo faritr'ireo Avita). 4 Any atsimo, dia mbola misy ny tanin'ireo Kananita rehetra, sy Maàra izay ho an'ireo Sidoniana, any Afeka, ireo faritr'ireo Amorita; 5 ny tanin'ireo Gebalita, ireo Libanona rehetra manoloana ny fiposahan'ny masoandro, hatrany Bala-Gada eo ambanin'ny tendrombohitra Hermona ka hatrany Lebo Hamata. 6 Fa kosa, ireo olona rehetra any amin'ny tany havona avy any Libanona tahaka i Mserofota-Maima, anisan'izany ireo olona rehetra any Sidona. Handroaka azy ireo alohan'ireo tafik'israely. Alaivo antoka ny fanomezana ny tany an'Israely ho lova iray, araka ny nandidiako anao. 7 Zarao izany tany izany ho an'ireo foko sivy sy ho an'ireo atsasaky ny fokon'i Manase. 8 Miaraka amin'ireo atsasaky ny fokon'i Manase, ireo Reobenita sy ireo Gadita dia nandray ny lova izay nomen'i Mosesy azy ireo tany atsinanan'i Jordana, 9 any Aroera, izay eo amoron'ny reniranon'i Arnona (anisan'izany ny tanàna izay eo afovoan'ny renirano), ho an'ny lemaka rehetra any Medeba ary hatrany Dibona; 10 ireo tanàna rehetra any Sihona, mpanjakan'ireo Amorita, izay manapaka any Hesebona, hatrany amin'ireo Amorita; 11 Gileada, sy ireo faritra any Gesorita sy Makatita, ireo tendrombohitr'i Hermona, ireo Basana rehetra hatrany Salekà; 12 ireo fanjakana rehetr'i Oga any Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy—ireo no sisa tavela tamin'i Refaita—Namono azy ireo i Mosesy ary nandroaka azy ireo. 13 Fa ireo olon'Israely dia tsy nandroaka ireo Gesorita na Makatita. Fa kosa, Gesora sy Makata dia nonina teo amin'ireo Israely tamin'izany andro izany. 14 Tamin'ny fokon'i Levy irery no tsy nanomezan'i Mosesy lova. Ireo fanatitr'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, vita tamin'ny afo, sy ireo lovan'izy ireo, araka ny nolazain'Andriamanitra an'i Mosesy. 15 Mosesy nanome lova tamin'ireo fokon'i Robena, isam-poko. 16 Ny faritr'izy ireo dia avy any amin'i Aroera, any amoron'ny Reniranon'ny Arnona, ary ilay tanàna izay eo afovoan'ny lohasaha, sy any amin'ireo lemaka akaikin'i Medeba. 17 Nandray an'i Robena ihany koa i Hesbona sy ireo tanàna rehetra izay any amin'n, Dibona, sy Bamota-Bala, ary Beti-Bala-Meona, 18 Jahaza, Kedemota, sy Mefata, 19 sy Karia-taima, sy Sibama, ary Zareta-sahara eny an-tampon-kavoana. 20 Nandray an'i Beti-peora ihany koa i Robena, ireo hantan'i Pisga, Beti-jesimota, 21 sy ireo tanànan'ny lemaka, ary ireo fanjakan'i Sihona mpanjakan'ireo Amorita, izay nanjaka tany Hesbona, izay noresen'i Mosesy niaraka tamin'ireo mpitarika Madiana, Evi, Rekema, Sora, Hora, sy Reba, ilay andrian'ny Sihona, izay nonina tao amin'ny tany. 22 Ny vahoakan'Israely ihany koa dia namono tamin'ny sabatra an'i Balama zanaka lahin'i Beora, izay nanao sikidy, tamin'ny sisa tamin'ireo izay novonoina. 23 Ny onin'i Jordana no sisin'ny fokon'i Robena; izany no sisin-tanin'izy ireo. Izany no lovan'ny fokon'i Robena, nomena tamin'ny isam-pokon'ny tsirairary, niaraka tamin'ireo tanàn'izy ireo sy ireo vohitra. 24 Izany no nomen'i Mosesy tamin'ny fokon'i Gada, isam-poko: 25 ny faritr'Izy ireo dia Jazera, Ireo tanànan'i Gileada rehetra sy atsasaky ny tanin'ireo Amonita, Aroera, izay any atsinanan'i Rabà, 26 any Hesbona ka hatrany amin'i Ramata-mizpa sy Betonima, any Mahanaima any amin'ny faritr'i Debira. 27 ny amin'ny lohasaha, Mosesy dia nanome an'i Beti-harama, Beti-nimra, Sokota, Zafona, ireo sisa tamin'ny fanjakan'i Sihona mpanjakan'i Hesbona, miaraka amin'i Jordana ho sisiny, hatramin'ny faran'ny ranomasin'i Kinereta, atsinanan'ny an-dafin'i Jordana. 28 Izany no lovan'ny fokon'i Gada, isam-poko, miaraka amin'ireo tanàna sy ireo vohitra. 29 Mosesy nanome lova tamin'ny atsasaky ny fokon'i Manase. Izany dia notendrena tamin'ny atsasaky ny fokon'ny olon'i Manase, araka ny fokon'izy ireo. 30 Avy any Mahanaima ny faritr'izy ireo, i Basana rehetra, ny fanjakan'i Oga mpanjakan'i Basana rehetra, sy ireo tanànan'i Jaira rehetra, izay tany Basana, tanàna enim-polo; 31 atsasak'i Gileada, sy Astarta ary Edrehy (ireo tanànan'ny mpanjakan'i Oga any Basana). Ireo no voatendry tamin'ilay fokon'i Makira zanaka lahin'i Manase—atsasaky ny olon'i Makira, izay nomena ny tsirairay amin'ireo fianakaviany. 32 Izany ny lova izay notendren'i Mosesy azy ireo teo amin'ny lemak'i Moaba, any an-dafin'ny Jordana atsinanan'ny Jeriko. 33 Mosesy dia tsy nanome lova ny fokon'ny Levi. Fa Yaveh, Ilay Andriamanitr'Israely, no lovan'izy ireo, araka izay nolazainy tamin'izy ireo.
Mazava aminao fa ity tany izay mbola ilan'Israely ity dia mba hambabo. D.H: "Ity tany izay mbola mitoetra ho an'Israely ity dia mba hambabo"
Ity dia anaran-toerana.
D.H: "ireo Kananita izay mihevitra ny fananan'izy ireo amin'izao."
Ireo dia anarana vondron'olona.
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo dia anaran-toerana.
Ny tany izay hangatahan'Israely dia voalaza fa izany dia lova iray izay ho raisin'izy ireo ho fananana maharitra.
Ireo dia anaran-toerana.
Faritra izay lavitra ny ony ambanin'ny moron'ny tany.
tany avo fisaka ambonin'ny renirano.
Ireo dia anaran-toerana.
"ny tany izay itoeran'ny Gesorita sy Makatita"
Ireo dia anarana vondron'olona.
Eto "Mosesy" dia manambara ny tafik'Israelita izay nentin'i Mosesy. D.H: "Mosesy sy ireo Israelita nanafika azy ireo."
Ireo dia anarana vondron'olona.
"Gesora" sy "Makata" dia anaran'ireo razambe "ny Gesorita" sy "ny Makatita" na anaran-tanàna izay nonenany. D.H: "Ireo olona ireo dia mitoetra eo amin'ny Israely"
Ity dia manambara ny vanim-potoana izay nanoratan'ny mpanoratra ity boky ity.
Ny tany izay notendren'i Mosesy an'ny fokon'Israely dia voalaza fa izany dia ilay lova izay noraisin'izy ireo ho fananana maharitra.
Ny mpanoratra dia milaza ilay fankatoavana lehibe izay nataon'ireo Levita amin'ny fanompoana an'i Yaveh tahaka ireo mpisorona raha zavatra ireo fanatitra izay tsy maintsy ho lovan'izy ireo. D.H: "Ny fanatitr'i Yaveh...dia izay hananan'izy ireo amin'ny vatsiny"
"Ny fanatitra izay atolotry ny olona an'i Yaveh"
D.H: "izay nodoran'ny mpisorona tamin'ny afo"
Ireo dia anaran-toerana.
Faritra izay lavitra ny ony ambanin'ny moron'ny tany.
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo dia anaran-toerana.
"satria izy nandresy ny mpitarik'i Mediana"
Ny Renirano'ny Jordana dia ny morona andrefan'ny tany izay noraisin'ireo fokon'iny Robena.
Ny tany izay notendren'i Mosesy an'ny fokon'ny Robena dia voalaza fa izany no lova izay noraisin'ny fokon'i Robena ho fananana maharitra.
D.H: "izany no nomen'i Mosesy ny fokon'izy ireo tsirairay."
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo dia anaran-toerana.
Ny tany izay notendren'i Mosesy tamin'ny atsasaky ny fokon'i Manase dia voalaza fa izany no lova izay nomeny azy ireo ho fananana maharitra.
Ny atsasaky ny foko ihany no nandray izany tany izany satria ny atsasany hafa dia nandray tany teo amorony hafan'ny Reniranon'ny Jordana.
D.H: "Nanendry izany i Mosesy"
Ireo dia anaran-toerana.
D.H: "Ireo no notendren'i Mosesy"
Ity dia anaran'olona.
Ny tany izay notendren'i Mosesy teo amin'ny fokon'Israely teo amorony atsinanan'ny Jordana dia voalaza fa izany dia lova izay nomen'i Mosesy azy ireo ho fananana maharitra. D.H: "Izany no tany izay notendren'i Mosesy azy ireo ho lova"
Ny mpanoratra dia milaza ilay fankatoava lehibe izay nanan'ireo Levita tamin'ny fanompoana an'i Yazveh toy ny mpisorona rehefa nanao azy ho zavatra i Yaveh izay tsy maintsy ho lovan'izy ireo. D.H: "Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, dia ilay anan'izy ireo"
1 Ireto avy ary ny faritry ny tany izay noraisin'ny vahoakan'Israely ho lovan'izy ireo tany amin'ny tany Kanàna, notendrena ho azy ireo tamin'i Eleazara mpisorona, tamin'i Josoa zanak'i Nona, ary tamin'ny mpitari-pokon'ny fianakavian'ny razan'izy ireo niaraka amin'ny vahoakan'Israely. 2 Ny lovan'izy ireo dia voafantina tamin'ny loka ho an'ireo sivy sy ny antsasak'ireo foko, araka izay nandidian'i Yaveh tamin'ny tanan'i Mosesy. 3 Fa efa nomen'i Mosesy lova ny amin'ny roa sy antsasak'ireo foko tany an-dafin'i Jordana, kanefa izy tsy nanome lova ireo Levita. 4 Fa raha ny marina dia foko roa ny fokon'i Josefa, dia Manase sy Efraima. Tsy nomena anjara lova tany amin'ny tany ireo Levita, fa tany amin'ireo tanàna sasany ihany mba honenana, mbanin'ireo tanim-bilona ho an'ny biby fiompy sy ireo fitaovam-pamokaran'izy ireo. 5 Dia nanao araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ny vahoakan'Israely, ka notendren'izy ireo ny tany. 6 Dia tonga tany amin'ny Josoa tany amin'ny Gilgala ny fokon'ny Joda. Kaleba zanak'i Jefona Kenizita, niteny taminy hoe: "Fantatrao izay nolazain'i Yaveh an'i Mosesy ilay lehilahin'Andriamanitra mahakasika ahy sy ianao tany Kadesi-Barnea. 7 Efapolo taona aho raha nalefan'i Mosesy mpanompon'i Yaveh avy any Kadesi-Barnea mba hisafo ny tany. Notateriko taminy indray ny tatitra mba hatao araka ny tian'ny foko hatao. 8 Fa ireo rahalahiko izay nandeha niakatra niaraka tamiko nampalemy ny fon'ny vahoakany tamin'ny tahotra. Nefa narahiko tanteraka i Yaveh Andriamanitro. 9 Nianiana i Mosesy tamin'izany andro izany, ary nanao hoe: 'Azo antoka fa ny tany izay nandehanan'ny tongotrao dia ho lova ho anao sy ny zanakao mandrakizay, satria nanaraka tanteraka an'i Yaveh Andriamanitro ianao.' 10 Ary, indro! Yaveh nitazona ahy ho velona nandritra izay dimy amby efapolo taona izay araka izay nolazainy—tamin'ny fotoana izay nilazan'i Yaveh izany teny izany tamin'i Mosesy, nandritra ny nandehanan'Israely tany an'efitra. Ary indro! Dimy amby valopolo taona aho amin'izao andro izao. 11 Mbola matanjaka hatrany aho amin'izao andro izao toy ny tamin'ny andro nandroahan'i Mosesy ahy. Ny tanjako amin'izao dia toy ny tanjako tamin'izany, tamin'ny ady sy tamin'ny nandeha sy niverina. 12 Ka noho izany omeo ahy ity tany havoana ity, izay nampanantenain'i Yaveh ahy tamin'izany andro izany. Satria renao tamin'izany andro izany i Anakita tany amin'ireo tanàna mimanda lehibe. Mety homba ahy Yaveh mba hahafahako mandroaka azy ireo, araka ny nolazain'i Yaveh." 13 Avy eo dia nitso-drano azy i Josoa ary nanome an'i Hebrona ho lovan'i Kaleba zanak'i Jefone. 14 Noho izany dia lasa mpandova an'i Kaleba zanaka lahin'i Jefone ilay Kenizita i Hebrona mandrak'ankehitriny, satria nanaraka an'i Yaveh tokoa izy, ilay Andriamanitr'Israely. 15 Ary dia Kiriata no anaran'i Hebrona taloha. (Arba no lehilahy lehibe indrindra eo amin'i Anakita.) Dia nitsahatra tamin'ny ady ny tany.
Ny tany izay azon'ny vahoakan'Israely dia voalaza fa izany no lova izay noraisin'izy ireo ho fanana maharitra.
D.H: "izay i Eleaza mpisorona, Josoa zanaka lahin'i Nona, ary ny mpitari-pokon'ny fianakavian'ny razan'izy ireo niaraka amin'ny vahoakan'Israely notendrena ho azy ireo"
"mpitarika ny foko"
D.H: "Eleazara, Josoa, ary ny mpitarim-poko miloka mba hanamaritana ny lova"
Eto ny teny "tanana" dia maneho ny tenan'i Mosesy ary midika fa Yaveh dia nampiasa an'i Mosesy ho mpandraharaha mba hanafaka ny didiny. D.H: "amin'ny alalan'ny Mosesy"
atsasak'ireo foko andafin'ny Jordana, saingy tsy nanome lova ho an'ireo Levita izy- Ny tany izay nomen'i Mosesy ho an'ireo foko dia voalaza fa izany no lova izay noraisin'izy ireo ho fananana maharitra.
D.H: "Ary Mosesy tsy nanome ny anjara lova tamin'ireo Lveita tany amin'ny tany"
"am-pahany"
Ny matoanteny dia mety namatsiana avy amin'ny andian-teny teo aloha. D.H: "saingy tanàna honenana ihany no nomeny azy ireo"
tanin'ahitra ho an'ny biby fiompy mba hihinana
zavatra ara-batana nilain'izy ireo mba hafahany mamokatra ho an'ireo fianakaviany
Ity dia anaran'olona.
Ity dia anarana vondron'olona.
Eto ny teny "foko" dia maneho heritreritra. Ny andian-teny dia fomba fiteny izay maneho amin'ny tatitra iray nomena am-pahamarinana. D.H: "Nentiko niverina tany aminy ilay tatitra marina"
fampitahorana ny vahoaka dia voalaza fa izany no nampahalemena ny fon'ny vahoaka. D.H "Nampitahorina mafy ny vahoaka"
Ny tsy fivadiahana amin'i Yaveh dia voalaza fa izany no nanarahana tanteraka an'i Yazeh. D.H: "Nampitoetra tsy fivadihana tamin'i Yaveh aho"
Ny tany izay tsy maintsy hananan'i Kaleba sy ireo taranany dia voalaza fa izany ilay lova izay tsy maintsy ho azon'izy ireo ho fananana maharitra.
Eto ny "tongotrao" dia maneho an'i Kaleba. D.H: "ny tany izay efa nandehananao"
Ity midika hoe "henoy". Ity teny ity dia manampy fanamafisana tamin'izay niteny manaraka.
"nandritry ny nandehanan'ny vahoakan'Israely tany an'efitra"
"Mbola matanjaka hatrany aho amin'izaho toy ny tamin'izany"
Ity dia fomba fiteny iray izay maneho ny fatao andavan'andro. D.H: "ho an'ireo zavatra ataoko isan'andro"
Mety midika hoe 1) havoana lehibe maromaro na tendrombohitra madinika na 2)tendrombohitra iray.
Ity anarana vondron'olona.
Hebrona dia voalaza fa izany ilay lova izay noraisin'i Kaleba ho fananana maharitra.
Ity dia maneho ny vanim-potoana izay nanoratan'ny mpanoratra ity boky ity.
Ny tsy fivadiahana amin'i Yaveh dia voalaza fa izany no fanarahana tanteraka an'i Yaveh. D.H: "Nampitoetra tsy fivadihana tamin'i Yaveh izy"
Ity dia anaran-toerana.
Ny vahoaka tsy niady intsony dia voalaza fa ny tany dia olona izay nitoetra tamin'ny ady. D.H: "Avy eo ny olona tsy niady intsony tao amin'ny tany"
1 Ny anjara tanin'ny fokon'ny vahoakan'i Joda, nomena ny fokon'izy ireo, dia nihitatra nianatsimo nankany amin'ny sisin-tanin'i Edoma, niaraka tamin'ny efitr'i Sina izay fefy lavitra indrindra any atsimo. 2 Ny sisin-tanin'izy ireo any atsimo dia nanomboka teo amin'ny faran'ny Ranomasin-tsira, ka hatrany amin'ny helo-drano izay manatrika ny atsimo. 3 Ny sisin-tanin'izy ireo manaraka dia nivoaka tao atsimon'ny havoan'i Akrabima ary nanaraka an'i Sina, sy niakatra atsimon'i Kadesy Barnea, manaraka an'i Hezrona, ary miakatra an'i Adara, eo amin'izay iolanan'izany mankany Karka. 4 Nanaraka an'i Azmona, nahazo ny lohasahan-driakan'i Egypta, ary niafara tany an-dranomasina izany. Izany no faritanin'izy ireo atsimo. 5 Ny sisin-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bavan'i Jordana. Ny faritany any avaratra dia avy eo amin'ny lohasahan-driakan'ny ranomasina ka hatreo am-bavan'i Jordana. 6 Niakatra tao Beti-hogla ary nanaraka ny avaratr'i Bet-araba izany. Avy eo izany dia niakatra nankany amin'ny Vaton'i Bohana zanaka lahin'i Robena. 7 Ary ny faritany dia niakatra tany Debira hatrany amin'ny Lohasahan'i Akora, ary nianavaratra, niodina nanaraka an'i Gilgala, izay tandrifin'ny havoan'i Adomina, izay any amin'ny lafy avaratry ny lohasaha. Avy eo ilay faritany nanaraka ny loharanon'i Ensemesy ary nandeha tany En-rogela. 8 Dia niakatra ny lohasahan'i Beni-Hinoma ka hatrany amin'ny lafy atsimon'ny tanànan'ny Jebosita (izay, i Jerosalema) ny faritany. Dia niakatra hatrany amin'ny tendron'ny havoana izay manarona ny lohasahan'i Hinoma, any avaratra, izay ao amin'ny farany avaratry ny lohasahan'i Refaita izany. 9 Ary ny faritany nihitatra hatreo amin'ny tendron'ireo havoana ka hatrany amin'ny loharanon'i Neftoa, ary nivoaka avy teo ka hatrany amin'ireo tanàna tao an-tendrombohitra Efrona. Ary ny faritany dia nanodidina an'i Bala (mitovy amin'i Kiriata-jearima). 10 Ary ny faritany nanodidina ny atsinanan'i Bala hatrany amin'ny Tendrombohitra Seira, ary nanaraka ny lafin'ny Tendrombohitra Jearima any avaratra (mitovy amin'i Kesalona), nidina hatrany Beti-semesy, ary nanapaka ny Timna. 11 Nivoaka akaikin'ny avaratry ny havoana Ekrona ny faritany, ary dia nihodidina an'i Sikerona sy nanaraka ny Tendrombohitra Bala izany, avy eo dia nankany Jabniela izany. Nifarana tao an-dranomasina ny faritany. 12 Ny sisin-tany andrefana dia ny Ranomasina Lehibe sy ny morony. Io no faritany manodidina ny fokon'i Joda, isam-poko. 13 Amin'ny fitandreman'i Josoa ny didin'i Yaveh, dia nanome an'i Kaleba zanaka lahin'i Jefone anjara amin'ny tany eo amin'ireo fokon'i Joda, Kiriata Arba, izay, Hebrona (Arba dia rain'i Anàka) i Josoa. 14 Nandroaka ny zanak'i Anàka telo lahy tao i Kaleba: Sesay, Ahimana ary Talmay, ireo taranak'i Anàka. 15 Niakatra avy teo izy hanohitra ireo mponin'i Debira (Debira dia nantsoina hoe Kiriata-sefera taloha). 16 Hoy Kaleba hoe: "Ny olona izay manafika an'i Kiriata-sefera sy mahazo izany, dia ho azy no hanomezako an'i Aksa zanako vavy ho vady." 17 Ary Otniela zanaka lahin'i Kenaza, rahalahin'i Kaleba, rehefa nahazo izany, dia nomen'i Kaleba azy ho vadiny i Aksa zanany vavy. 18 Fotoana fohy taorian'izany, dia nankany amin'i Otniela i Aksa ary namporisihany hangataka saha tany amin'ny rainy izy. Rehefa nidina tamin'ny borikiny izy, dia hoy Kaleba taminy hoe: "Inona no ilainao?" 19 Namaly Aksa hoe: "Manaova zavatra miavaka ho ahy, satria efa nanome ahy ny tany Negeva ianao: dia omeo ahy koa ireo loharano sasany." Dia nomen'i Kaleba azy ireo loharano ambony sy ireo loharano ambany. 20 Izany no lovan'ny fokon'i Joda, nomena ireo fokony. 21 Ireo tanàna izay an'ny fokon'i Joda any amin'ny farany atsimo, amin'ny faritanin'i Edoma, dia Kabzela, Edera, Jagora, 22 Kina, Dimona, Adada, 23 Kadesy, Hazora, Itnana, 24 Zifa, Talema, Bealota. 25 Hazora-hadata, Keriota-hezrona (io ihany koa dia fantatra tamin'ny hoe Hazora), 26 Amama, Sema, Molada, 27 Hazara-gada, Hesmona, Beti-paleta, 28 Hazara-soala, Beri-sheba, Biziotia. 29 Bala, le, Azema, 30 Eltolada, Kesila, Horma, 31 Ziklaga, Madmana, Sansana, 32 Lebaota, Silima, Aina, ary Rimona. Ireo no tanàna sivy amby roapolo ny fitambarany, miaraka amin'ireo vohitra keliny. 33 Tao amin'ny tany havoana iva indrindra any andrefana, dia nisy an'i Estaola, Zora, Asna, 34 Zanoa, En-ganima, Tapoa, Enama, 35 Jarmota, Adolama, Soko, Azeka, 36 Saraima, Aditaima, ary Gadera (izay, Gederotaima). Efatra ambin'ny folo isa ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny. 37 Zenana, Hadasa, Migdala-gada, 38 Dilana, Mizpa, Joktela, 39 Lakisy, Bozkata, Eglona. 40 Kabona, Lamasa, Kitilisa, 41 Gederota, Beti-dagona, Nama, Makeda. Enina ambin'ny folo ny isan'ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny. 42 Libna, Atera, Asana, 43 Jifta, Asna, Neziba, 44 Kila, Akziba, Maresa. Tanàna sivy ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny. 45 Ekrona, miaraka amin'ireo tanàna sy ireo zana-bohitra manodidina izany; 46 avy eo Ekrona ka hatrany amin'ny Ranomasina Lehibe, ireo fonenana rehetra izay akaiky an'i Asdoda, miaraka amin'ireo vohitra keliny. 47 Asdoda, ireo tanàna sy ireo zana-bohitra manodidina izany; Gaza, ireo tanàna sy ireo zana-bohitra manodidina izany; hatrany amin'ny lohasahan-driak'i Egypta, ary hatrany amin'ny Ranomasina Lehibe miaraka amin'ny morontsirak'izany. 48 Ao amin'ny tany havoana, Samira, Jatira, Soko, 49 Dana, Kiriata-sana (izay, Debira), 50 Anaba, Estemo, Anima, 51 Gosena, Holona, ary Gilo. Iraika ambin'ny folo ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny. 52 Araba, Doma, Esana, 53 Janoma, Beti-tapoa, Afeka, 54 Honta, Kiriat-arba (izy, Hebrona), ary Ziora. Sivy ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny. 55 Maona, Karmela, Zifa, Jota, 56 Jezirela, Jokdeama, Zanoa, 57 Kaina, Gibea, Timna. Folo ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny. 58 Halola, Beti-zora, Gedora, 59 Marata, Bet-anota, ary Elketona. Enina ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny. 60 Kiriata-bala (izay, Kiriata-jearima), ary Raba. Roa ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny. 61 Ao an'efitra, dia misy an'i Bet-araba, Midina, Sekaka, 62 Nisbana, ny Tanànantsira, ary En-jedy. Enina ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo vohitra keliny. 63 Fa ireo Jebosita, ireo mponin'i Jerosalema, ny fokon'i Joda dia tsy afaka nandroaka azy ireo, ka dia nipetraka tao niaraka tamin'ny fokon'i Joda mandrak'ankehitriny ireo Jebosita.
Ity dia anaran'ny faritra efitra.
"avany amin'ny helo-drano izay manatrika ny atsimo any faran'ny raomasin-tsira." Ireo andian-teny roa ireo maneho toerana mitovy. Ny andian-teny faharoa dia manazava fa any amin'ny sisiny atsimo dia manomboka.
ampahan-dranomasina kely izay mihitatra mankany amin'ny tany.
"izany dia mitodika mankany atsimo"
"An'ny fokon'i Joda ny sisin-tany"
Ireo dia anaran-toerana.
onin-drano kely iray any atsimo-andrefan'ny sisin-tany, akaikin'ny Egypta.
Ny faritra izay manafoana ny ony dia voalaza fa izany no vavan'ny ony.
"Ny faritany...dia"
Ireo dia anaran-toerana.
Ity dia tahaka ny ilay vato lehibe izay apetrakin'ny olona ho famantarana ary nanome anarana ambadik'ilay lehilahy, Bohana.
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo anarana ireo dia maneho ny fokon'ny vahoaka izay taranak'i Sesay, Ahimana, ary Talmay. Ny teny "zanaka" sy "taranaka" ao amin'ny foto-kevitra dia midika zavatra tsara. D.H: "Ireo foko telo, Sesay, Ahimana ary Talmay, izay taranak'i Anàka"
"Niakatra avy teo izy hiady"
Ireo dia anaran-toerana.
Ity dia anaram-behivavy.
Ity dia anaran-dehilahy.
Ity dia fomba fiteny izay maneho an'i Aksa lasa vadin'i Otniela. D.H: "rehfa lasa vadin'i Aksa i Otniela"
D.H: "Namporisika azy izy, 'Angataho ny raiko mba hanome sahy ahy"'
Ny teny "ambony" sy "ambany" dia maneho toy ny hahavon'ny loharano ara-geografika.
Ny tany izay azon'ny fokon'ny Joda dia voalaza fa izany no lova izay azon'izy ireo ho fananana maharitra. D.H: "Izany no tany izay azon'ny fokon'ny Joda ho lova."
Ny mpanoratra dia manao an-disitra ireo tanàna atsimo izay nakan'ny Joda harena.
Mitohy ny lisitry ny tanàna.
Mitohy ny lisitry ny tanàna.
Ny mpanoratra manao an-disitra ireo tanàna avaratra izay nakan'ny Joda harena.
Ny mpanoratra mana an-disitra ireo tanàna izay nakan'ny Joda harena.
Ny mpanoratra mana an-disitra ireo tanàna izay nakan'ny Joda harena.
Ny mpanoratra mana an-disitra ireo tanàna izay nakan'ny Joda harena.
Ny mpanoratra mana an-disitra ireo tanàna izay nakan'ny Joda harena.
"vohitra kely"
onin-drano kely any amorony atsimon'ny tany akaikin'ny Egypta.
Ny mpanoratra mana an-disitra ireo tanàna izay nakan'ny Joda harena.
Ny mpanoratra mana an-disitra ireo tanàna izay nakan'ny Joda harena.
Ny mpanoratra mana an-disitra ireo tanàna izay nakan'ny Joda harena.
Ny mpanoratra mana an-disitra ireo tanàna izay nakan'ny Joda harena.
Ny mpanoratra mana an-disitra ireo tanàna izay nakan'ny Joda harena.
Ity dia maneho ny vanim-potoana izay nanoratan'ny mpanoratra ity boky ity.
1 Ny zara-tanin'ny fokon'i Josefa dia nihitatra nanomboka tany Jordana ka hatrany any Jeriko, atsinanan'ny loharanon'i Jeriko, mankany an'efitra, niakatra avy ao Jeriko hatrany amin'ny tany havoan'i Betela. 2 Avy eo izany dia nankany Betela ka hatrany Lozy ary namakivaky hatrany Atarota, ilay fari-tan'ny Arkita. 3 Dia nidina niankandrefana nahazo ny faritan'ny Jafletita izany hatrany amin'ny faritany ambanin'i Bedhorona, ary avy eo nankany Gazera; dia nifarana tany amin'ny ranomasina. 4 Izany no fomba nahazoan'ireo fokon'i Josefa, Manase sy Efraima ny lovan'izy ireo. 5 Ny faritanin'ny fokon'i Efraima izay notendrena ho an'ny fokon'izy ireo dia tahaka izao manaraka izao: ny faritanin'ny lovan'izy ireo any atsinanana dia niala an'ny Atarot-adara nankany Beti-horona ambony, 6 ary nitohy hatrany an-dranomasina izany. Avy any Mikmeta avaratra izany no nivily niatsinanana nankany Tanata-silo ary nahazo ny sisin'izany any atsinanana hatrany Janoha. 7 Dia nidina avy any Janoha nahazo an'i Atarota sy Narata izany, ary avy eo nahatratra an'i Jeriko, ary nifarana tany Jordana. 8 Avy ao Tapoa ilay faritany dia nizotra niankandrefana ho amin'ny lohasahan'i Kana ary niafara tany an-dranomasina. Izany no lovan'ny fokon'i Efraima, voatendry ho an'ny fianakaviamben'izy ireo, 9 niaraka tamin'ireo tanàna izay nosafidiana ho an'ny fokon'i Efraima mbanin'ny lovan'ny fokon'i Manase__ireo tanàna rehetra, mbamin'ireo vohitr'izy ireo. 10 Tsy nandroaka ireo Kananita izay nonina tany Gazera izy ireo, ka miana miaraka amin'i Efraima mandrak'ankehitriny ireo Kananita, saingy nampanaovina asa an-terivozona ireo vahoaka ireo.
Ny "fokon'i Josefa" dia nizara ny fokon'ny zanak'i Josefa roalahy, Manase sy Efraima. Hatramin'ny nionenan'ny atsasakin'ny fokon'i Manase tany atsinanan'ny Joda, ity andian-teny ity dia maneho ny fokon'i Efraima sy ireo atsasakin'ny fokon'i Manase hafa. D.H: "ny fokon'i Efraima sy ny atsasakin'ny fokon'i Manase hafa."
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo dia anarana vondron'olona.
Ireo dia anarana vondron'olona.
Ireo dia anaran-toerana.
"ny fokon'i Manase sy Efraima, ireo zanaka lahin'i Josefa.
Ny tany izay azon'ny fokon'i Efraima sy Manase dia voalaza fa izany ilay lova izay azon'izy ireo ho fananana maharitra. D.H: "nahazo izany tany izany ho lova"
D.H: "Ny faritany...izay notendren'i Josoa tamin'ny fokon'izy ireo."
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo dia anaran-toerana.
Ny tany izay azon'i Efraima dia voalaza fa izany ilay lova izay azon'izy ireo ho fananana maharitra. D.H: "Izany ny tany izay azon'ny fokon'i Efraima ho lova."
D.H: "Josoa izay nandendry ny fianakaviamben'izy ireo"
D.H: "Ny tanàna izay efa nosafidian'i Josoa."
Ny tany izay azon'ny fokon'i Manase dia voalaza fa izany ilay lova izay azon'izy ireo ho fananana maharitra. D.H: "mbanin'ny tany izay efa azon'ny fokon'i Manase ho lova."
Ity dia maneho ny vanim-potoana izay nanoratan'ny mpanoratra ity boky ity.
D.H: "Ireo Israelita nanery ireo vahoaka hiasa toy ireo andevo"
1 Ity no zara-tanin'ny fokon'i Manase (izay lahimatoan'i Josefa) —izany hoe, ho an'i Makira, izay lahimatoan'i Manase sy ny tenany izay rain'i Gileada. Ny tanin'i Gileada sy Basana dia notendrena ho an'ireo taranak'i Makira, satria Makira dia lehilahin'ady. 2 Ny tany dia notendrena ho an'ny ambin'ny fokon'i Manase, nomena ireo fokon'izy ireo—dia i Abi-ezera, Heleka, Asriela, Sekema, Hefera, ary Semida. Ireo no taranaka lahin'i Manase zanaka lahin'i Josefa, natolotr'ireo fokon'izy ireo. 3 Ary Tselofehada zanaka lahin'i Hefera zanak'i Gileada zanak'i Makira zanak'i Manase dia tsy nanan-janaka lahy, fa zanaka vavy fotsiny ihany. Ireto avy ny anaran'ireo zanany vavy: Mahala, Noha, Hogla, Milka, ary i Tiriza. 4 Nanatona an'i Eleazara ilay mpisorona, Josoa zanaka lahin'i Nona, sy ireo loholona izy ireo, ary hoy izy ireo hoe: '"Yaveh no nandidy an'i Mosesy hanome antsika lova miaraka amin'ireo rahalahintsika." Noho izany, ny fanarahana ireo didin'i Yaveh, no nanomezany lova ho an'ireo vehivavy ireo teo amin'ireo rahalahin-drain'izy ireo. 5 Ny tsinjaran- tany folo tao Gileada sy Basana dia notendrena ho an'i Manase, izay eny am-pitan'i Jordana, 6 satria ireo zanaka vavin'i Manase dia nandray lova niaraka tamin'ireo zanany lahy. Ny tanin'i Gileada dia notendrena ho an'ny ambin'ny fokon'i Manase. 7 Ny faritanin'i Manase dia tonga hatrany Asera ka hatrany Mikmetata, izay any antsinanan'i Sekema. Ary ny sisin-tany dia nandeha nianatsimo nankany amin'ireo izay mipetraka akaikin'ny faritanin'i Topoa. 8 (Ny tanin'i Topoa dia an'i Manase, saingy ny tanàn-dehiben'i Topoa eo amin'ny sisin-tanin'i Manase kosa dia an'ny fokon'i Efraima.) 9 Ny faritany dia midina mankany amin'ny lohasahan-driakan'i Kana. Ireo tanàna atsimon'ny lohasahan-driaka eo amin'ny tanàn-dehiben'i Manase dia an'i Efraima. Ny faritanin'i Manase dia any avaratry ny lohasahan-driaka, ary mifarana any amin'ny ranomasina. 10 Ny tany any atsimo dia an'i Efraima, ary ny tany any avaratra dia an'i Manase; ny ranomasina no faritany. Any amin'ny sisiny avaratr'i Asera, ka hatrany amin'ny atsinanana, dia i Isakara. 11 Any Isakara sy any Asera ihany koa, Manase dia nanana an'i Beti-sana sy ireo tanànany, Ibleama sy ireo tanànany, ireo mponin'i Dora sy ny tanànany, ireo mponin'i En-dora sy ny tanànany, ireo mponin'i Tanaka sy ny tanànany, ary ireo mponin'i Megido sy ny tanànany (ary ny tanàna fahatelo dia i Naftea). 12 Mbola tsy afaka maka ho fananana an'ireo tanàna ireo ny fokon'i Manase, satria ireo Kananita dia mbola mipetraka ao amin'io tany io. 13 Rehefa niha-natanjaka ny vahoakan'Israely, dia noteren'izy ireo hiasa ireo Kananita, fa tsy noroasiny tanteraka. 14 Avy eo ireo taranak'i Josefa niteny tamin'i Josoa, nanao hoe: "Nahoana no asan'ny tany iray ihany no natolotrao ho anay ary tsinjara iray amin'ny lova, kanefa vahoaka be an'isa izahay, ary efa notahian'i Yaveh izahay rehetra? 15 Hoy Josoa tamin'izy ireo: "Raha vahoaka be an'isa ianareo, dia miakara any anaty ala ny tenanareo ary tapaho ireo hazo ao amin'ny tanin'i Perizita sy Refaita any. Ataovy izany, satria ny havoan'ny firenen'i Efraima dia kely ho anareo." 16 Hoy ireo taranak'i Josefa: "Tsy ampy anay ny havoana. Fa ireo Kananita izay mipetraka any amin'ny lohasaha dia manana kalesy vy, ireo any Beti-sana sy ny tanànany, ary ireo izay any amin'ny lohasahan'i Jezirela. 17 Ary hoy i Josoa tamin'ny ankohonan'i Josefa-tamin'i Efraima sy Manase: "Vahoaka be an'isa ianareo, ary manana hery lehibe. Tsy tokony ho zaran-tany iray ihany no notendrena ho anareo. 18 Ny havoana ihany koa dia ho anareo. Na ny alan'izany, dia ho tapahanareo ka ataovy fananana hatrany amin'ny sisiny lavitra indrindra izany. Hamoaka ireo Kananita ianareo, na dia manana kalesy vy aza izy ireo, na dia matanjaka aza izy ireo."
"lahimatoa; izy dia"
Ireo dia anaran-dehilahy.
D.H: "Josoa nanendry ny tanin'i Gileada sy Basana ho taranak'i Makira.
D.H: "Nanendry ny tany i Josoa...ary nanome ireo tamin'ny fokon'izy ireo"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaram-behivavy.
Ny tany dia voalaza fa izany ilay lova izay azon'ny vahoaka ho fananana maharitra. D.H: "hanome antsika tany maro ho lova"
Mety midika hoe 1) "Nomen'i Josoa lova ireo vehivavy ireo" na 2) "Nomen'i Eleazara lova ireo vahivavy ireo."
D.H: "Josoa dia nanendry anjaran-tany folo"
"anjara folo"
Ny tany dia voalaza fa izany ilay lova izay azon'izy ireo ho fananana maharitra. D.H: "nahazo tany ho lova"
D.H: "Josoa dia nanendry ny tanin'i Gileada"
"nianatsimo"
Ireo dia anaran-toerana.
"Ny faritany ny tanin'i Manase"
ilay ony kely indrindra
anarana lohasahan-driaka
Mety midika hoe 1) izany no faritanin'ny tanin'i Manase any amin'ny sisiny avaratra nandalo ny tany izay an'ny fokon'i Asera na 2) ity iray ity dia afaka mandeha mianavaratra ka hatrany Asera. D.H: "Asera dia avany amin'ny sisiny avaratra" na "Afaka mandeha mianavaratra ny iray manatratra an'i Asera"
Ny matoanteny dia mety namatsy avy amin'ny andian-teny teo aloha. D.H: "hatrany an-tsinana, dia afaka mahatratra an'Isakara ny iray"
Ireo dia anaran-toerana.
Ity dia maneho ny taranak'i Efraima sy Manase.
Ny vahoakan'ny fokon'i Manase sy Efraima dia mangataka izany fanontaniana izany mba hanamafisana fa i Josoa dia tokony efa nanendry tany maro ho azy ireo. D.H: "Tokony efa nomenao anay mihotra noho ny iray...Yaveh efa nitaha anay."
Ireo andian-teny roa ireo amin'ny ankapobeny dia zavatra mitovy. Ny faha roa manaraka izany, ny tany dia voalaza fa izany ilay lova izay azon'ny vahoaka ho fananana maharitra. D.H: ''asan'ny tany iray ho lovantsika"
ampahany
"vahoaka maro be"
"Satria ianareo vahoaka be an'isa"
Izany dia anarana vondron'olona.
Ireo dia anaran-toerana.
Etyo ny teny "ankohonana" dia maneho an'ireo taranaka. D.H: "ireo taranak'i Josefa"
"ho tapahanareo ny hazon'ny ala" na "ho kapahinareo ny hazon'izany"
1 Dia niara-nivory tao Silo ny fiangonan'ny vahoakan'Israely manontolo. Tao no nanorenan'izy ireo ny lay fihaonana sy nandresen'izy ireo ny tany nanoloana azy ireo. 2 Mbola nisy fito ireo foko teo amin'ny vahoakan'Israely izay tsy notendrena ny lovany. 3 Dia hoy Josoa tamin'ny vahoakan'Israely hoe: "Mandra-pahoviana no mbola hihemoranareo tsy handeha ao amin'ny tany izay nomen'i Yaveh, Andriamanitr'ireo razanareo, anareo? 4 Manendre telo lahy ho anareo isaky ny foko tsirairay, ary izaho kosa haniraka azy ireo. Dia hiainga sy hitety ny tany ambony sy ambany izy ireo. Dia hanoratra ny famaritana izany izy ireo araka izay tiany ho lovany, ary hiverina aty amiko izy ireo avy eo. 5 Dia ho zarain'izy ireo ho faritra fito izany. Joda hijanona any amin'ny faritaniny any atsimo, ary ny ankohonan"i Josefa hanohy ny faritanin'izy ireo any avaratra. 6 Faritra fito no hamaritanareo ny tany ary avereno eto amiko ny famaritana. Dia hanao an-tsapaka ho anareo aho eto anatrehan'i Yaveh Andriamanitsika. 7 Ireo Levita dia tsy manana anjara eo aminareo, fa ny fisoronana ho an'i Yaveh no lovan'izy ireo. Gada, Robena, ary ny antsasa-pokon'i Manase dia nahazo ny lovan'izy ireo, tany an-dafin'i Jordana. Izany no lova izay nomen'i Mosesy mpanompon'i Yaveh azy ireo." 8 Dia nifoha ireo lehilahy ka nandeha. Dia nodidian'i Josoa ireo izay nandeha namaritra ny tany, nanao hoe: "Mandehana mitety ny tany ka farito izany ary miverena eto amiko. Dia hanao antsapaka ho anareo eto anatrehan'i Yaveh aty Silo aho." 9 Dia nandeha ireo lehilahy ka nitety ny tany ambony sy ambany ary namaritra izany tanaty horonan-taratasy araka ireo tanànany anaty faritra fito, handaharana ireo tanàna isaky ny faritra tsirairay. Dia niverina tany amin'i Josoa tao an-toby tao Silo izy ireo avy eo. 10 Dia nanao antsapaka ho azy ireo tao Silo teo anatrehan'i Yaveh i Josoa. Tao no nanendren'i Josoa ny tany ho an'ny vahoakan'Israely, ary ny tsirairay dia samy nomena ny anjara taniny avy. 11 Ny fanendrena ny tany ho an'ny fokon'i Benjamina dia nomena ny isam-pokon'izy ireo tsirairay. Ny faritanin'ny tany izay voatendry ho azy ireo dia voafaritra teo anelanelan'ireo taranak'i Joda sy ireo taranak'i Josefa. 12 Tany amin'ny ilany avaratra, tany Jordana no nanombohan'ny faritanin'izy ireo. Ny faritany dia niakatra hatrany amin'ny ilany avaratr'i Jeriko, ary avy eo niakatra nanavatsava ny tany havoana andrefana. Hatreo izany dia nanjohy ny efitr'i Betavena. 13 Hatreo dia nandalo nianatsimo nizotra nankany Lozy (Betela izany) ny faritany. Avy eo nidina hatrany amin'i Atarot-adara ny faritany, ao amin'ny tendrombohitra izay manitsaka ny atsimon'i Beti-horona. 14 Nizotra nanaraka lalan-kafa ny sisin-tany noho izany: any amin'ny ilany andrefana izany no miholika mianatsimo, dia mitodi-doha amin'ny tendrombohitra am-pitan'i Beti-horona. Io sisin-tany io dia mifarana any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanàna iray izay an'ny fokon'i Joda. Izany no tonga faritany tany amin'ny faritra andrefana. 15 Nanomboka teo ivelan'i Kiriata-jearima ny lafiny atsimo. Niainga teo ny faritany dia nanjohy an'i Efrona, hatrany amin'ireo loharanon'i Neftoa. 16 Ny sisin-tany noho izany dia nidina nanjohy ny manodidina ny tendrombohitra izay tandrifin'ny lohasahan'i Ben-hinoma, izay tany amin'ny morony avaratry ny lohasahan'i Refaima. Dia nidina hatrany amin'ny lohasahan'i Hinoma izany, atsimon'ny hantsan'ireo Jebosita, ary nitohy nidina hatrany En-Rogela. 17 Dia nitodika nianavaratra izany, nizotra nankamin'i En-semesy, ary avy teo dia nivoaka nankany Gelilota izany, izay tandrifin'ny fiakaran'i Adomima. Ary nidina hatrany amin'ny Vaton'i Bohana zanaka lahin'i Robena izany. 18 Nandroso hatramin'ny ilany avaratr'i Beti-arabà izany ary nidina nankamin'i Arabà. 19 Dia nandroso nanjohy ny ilany avaratr'i Beti-Hogla ny faritany. Nifarana tany amin'ny helo-drano avaratry ny ranomasin-tsira izany, any amin'ny morony atsimon'i Jordana. Izany no sisin-tany tany an-tsimo. 20 Dia tonga faritanin'i Jordana ny ilany atsinanana. Izany no lovan'ny fokon'i Benjamina, ary natolotra ny isam-pokon'izy ireo tsirairay izany, faritany isa-paritany, ny manodidina rehetra. 21 Ary ireo tanànan'ny fokon'i Benjamina araka ny isam-pokon'izy ireo dia Jeriko, 22 Beti-Hogla, Emeka Keziza, Bet-araba, Zemaraima, Betela, 23 Avima, Para, Ofra, 24 Kefara-hamony, Ofny, ary Geba. Roa ambin'ny folo ireo tanàna ireo, ansisan'izany ireo zana-bohiny. 25 Ao ihany koa ireo tanànan'i Gibeona, Ramà, Berota, 26 Mizpà, Kefirà, Mozà, 27 Rekema, Irpela, Taralà, 28 Zelà, Haelefa, Jebosita (Jerosalema izany), Gibeà, ary Kiriata. Efatra ambin'ny folo ireo tanàna ireo, anisan'izany ireo zana-bohiny. Izany no lovan'i Benjamina ho an'ny fokon'izy ireo.
Efa nandresy ny vahoaka izay nitoetra tany amin'ny tany izy ireo talohan'ny nametrahan'izy ireo ny lain'ny fihaonanana. D.H: "tao aorian'izay dia nandresy ny tany izy ireo"
Ny tany izay tsy maintsy ho azon'izy ireo dia voalaza fa izany ilay lova izay tsy maintsy azon'izy ireo ho fananana maharitra. D.H: "iza amin'i Josoa no tsy mbola voatendry ho lova"
Josoa mangataka izany fanontaniana izany mba hankaherezana ireo Israelita haka ny haren'ny tany. D.H: "mandritra ny fotoana maharitra, no aoka hihemoranareo...nomena anareo."
Ny teny "ambony sy ambany" dia midika ny amin'ny toro-dalana rehetra. D.H: "ny tany ao amin'ny toro-dalana rehetra" na "amin'ny alalan' ny tany"
Izany dia midika fa hamaritra ireo anjara tany izay tokony ho raisin'ny foko tsirairay ho lova.
Ny tany izay ho adihadian'izy ireo dia voalaza fa ilay lova izay tsy maintsy ho azon'ireo foko tsirairay ho fananana maharitra.
Josoa dia manohy ny resany amin'ireo zanak'Israely.
"ho zarain'izy ireo ny tany"
"Ny fokon'ny Joda hijanona"
Eto ny teny "ankohonana" dia manambara ny taranak'i Josefa. Ny andian-teny dia maneho ny fokon'i Efraima sy Manase. D.H: "ny fokon'i Efraim sy Manase"
Josoa dia manohy ny resany amin'ireo zanak'Israely.
"tsy misy anjara tany"
Josoa milaza ny fankatoavana lehibe izay ataon'ireo levita amin'ny fanompoana an'i Yaveh toy ny mpisorona ka izany ilay zavatra izay nolovan'izy ireo. D.H: "amin'ny fisoronana an'i Yaveh dia izay ataon'izy ireo"
"antsasa-pokon'i Manase"
Ny tany izay noraisin'ireo foko dia voalaza fa izany ilay lova izay azon'izy ireo ho fananana maharitra. D.H: "efa nahazo tany ho lova"
Josoa miresaka amin'ireo iraika amby roapolo lahy izay nandeha hijery ny tany.
Ny teny "ambony sy ambony sy ambany" dia midika ireo toro-dalana. D.H: "ao amin'ny toro-dalana rehetra ao amin'ny tany" na "amin'ny alalan'ny tany"
D.H: "Josoa nanome ny anjara tanin'izy ireo tamin'ny foko tsirairay"
D.H: "Ny isam-pokon'i Benjamina dia nahazo ilay fanendrena ny tany"
"manelanelana ny tany izay an'ny taranak'i Joda sy ny tany izay an'ny taranak'i Josefa"
Ity dia maneho ny taranak'i Efraima sy Manase.
Ity dia anaran-toerana.
Ireo dia maneho zavatra mitovy.
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo dia anaran-toerana.
Ity dia tahaka ilay vatobe izay napetraky ny olona ho famantarana ary nanome anarana taorian'ilay lehilahy, Bohana.
Ny tany izay manana endrika natsana na tohatra dia voalaza fa izany no ilany. D.H: "ny antsan'i Beti-arabà"
Ny tany izay manana endrika natsana na tohatra dia voalaza fa izany no ilany. D.H: "ny antsana avaratr'i Beti-Hogla"
Ireo dia anaran-toerana.
Ny tany izay noraisin'ny fokon'i Benjamina dia voalaza fa izany ilay tany izay azon'izy ireo ho fananana maharitra. D.H :" Ity ilay tany azon'ny fkon'i Benjamina ho lova"
D.H :" Nomen'i Josoa tamin'ny isam-pokon'izy ireo izany"
Ny mpanoratra dia manao an-disitra ireo tanàna izay ao amin'ny tany izay azon'ireo fokon'i Benjamina ho lova
"ireo zana-bohitra manodidina azy ireo".
Ny mpanoratra dia manao an-disitra ireo tanàna izay ao amin'ny tany izay azon'ireo fokon'i Benjamina ho lova
Ny tany sy ireo tanàana izay azon'ireo fokon'i Benjamina dia voalaza fa ireo no lova izay azon'izy ireo ho lova maharitra. D.H: "Izany ny tany sy ny tanàna izay azon'ireo fokon'i Benjamina ho lova"
1 Ny antsapaka faharoa dia lasan'i Simeona ka notendrena ho an'ny tsirairay amin'ireo fokony izany. Ny lovan'izy ireo dia teo afovoan'ny lova izay an'ny fokon'i Joda. 2 Nanana an'i Beri-sheba, Seba, Molada, 3 Hazara-soala, Bala, Azema, 4 Eltolada, Betola, ary Horma ho lovany izy ireo. 5 Simeona ihany koa dia nanana an'i Ziklaga, Beti-markabota, Hazara-sosa, 6 Beti-lebaota, ary Sarohena. Ireo no tanàna telo ambin'ny folo, miaraka amin'ireo zana-bohiny. 7 Simeona ihany koa dia nanana an'i Aina, Rimona, Etera, ary Asana. Ireo no tanàna efatra, miaraka amin'ireo zana-bohiny. 8 Ireo dia niaraka tamin'ireo zana-bohitra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Bale-tabera (mitovy amin'i Rama tao Negeva). Izany no lovan'ny fokon'i Simeona, nomena ireo fokony. 9 Ny lovan'ny fokon'i Simeona dia nanomezana ny faritry ny fokon'i Joda. Satria tena lehibe loatra ho azy ireo ny anjara-tany notendrena ho an'ny fokon'i Joda, dia nandray ny lovan'izy ireo tamin'ny afovoan'ny anjarany ny fokon'i Simeona. 10 Ny antsapaka fahatelo dia azon'ny fokon'i Zebolona, ary nomena ireo fokony izany. Ny faritry ny lovany dia nanomboka tao Sarida. 11 Ny faritaniny niakatra niakandrefana hatrany Marala ary nahazo an'i Dabeseta; dia nihitatra hatrany amin'ny lohasahan-driaka izay tandrifin'i Jokneama. 12 Hatreo Sarida ny faritany dia nihodina miatsinanana hatrany atsinanana ka hatramin'ny faritanin'i Rislota-tabara. 13 Hatreo dia nandeha hatrany Daberata ary niakatra hatrany Jafia izany. Hatreo dia nandalo ny atsinanana hatrany Gata-hefera izany, ary hatrany Ita-kazina; avy eo nandroso hatrany Rimona ary niodina nankany Nea. 14 Ny faritany nihodina mianavaratra hatrany Hanatona ary nifarana teo amin'ny lohasahan'i Jifta-ela. 15 Tafiditra amin'io faritra io ireo tanànan'i Katata, Nahalola, Simrona, Idala, ary Betlehema. Dia tanàna roa ambin'ny folo, miaraka amin'ireo zana-bohiny. 16 Izany no lovan'ny fokon'i Zebolona, izay nomena an'ireo fokony—ireo tanàna, miaraka amin'ireo zana-bohiny. 17 Ny antsapaka fahefatra dia lasan'i Isakara, ary nomena ireo fokony izany. 18 Ny faritanin'izy ireo dia ahitana an'i Jezirela, Kesolota, Sonema, 19 Hafraima, Siona, ary Anaharata. 20 Tafiditra amin'izany ihany koa Rabita, Kisiona, Abeza, 21 Rameta, Enganima, Enhada, Beti-pazera. 22 Ireo faritaniny ihany koa dia nahazo an'i Tabara, Sahazoma, sy Beti-semesy, ary niafara tao Jordana. Dia tanàna enina ambin'ny folo, miaraka amin'ireo zana-bohiny. 23 Izany no lovan'ny fokon'i Isakara, ary nomena ireo fokony izany—ireo tanàna, miaraka amin'ireo zana-bohiny. 24 Ny antsapaka fahadimy dia lasan'ny fokon'i Asera, ary nomena ireo fokony. 25 Tafiditra amin'ny fari-tanin'izy ireo i Helkata, Haly, Batena, Aksafa, 26 Alameleka, Amada, ary Misala. Eo amin'ny sisin-tany andrefana ary nihitatra hatrany Karmela sy Sihora-libnata. 27 Dia nihodina miatsinanana hatrany Beti-dagona ary nanalavitra hatrany Zebolona izan, ary dia hatrany amin'ny lohasahan'i Jifta-ela, nianavaratra hatrany Bet-emeka sy Neiela. Dia nitohy mianavaratra hatrany Kabola izany. 28 Dia nandroso hatrany Ebrona, Rehoba, Hamona, ary Kana, ka hatrany Sidona Lehibe izany. 29 Ny faritany nitodika hatrany Rama, ary dia hatrany amin'ny tanàna mimandan'i Tyra. Ary ny faritany nitodika tany Hosa ary nifarana teo amin'ny ranomasina, tao amin'ny fari-tanin'i Akziba, 30 Oma, Afeka, ary Rehoba. Roa amby roapolo ireo tanàna ireo, miaraka amin'ireo zana-bohiny. 31 Izany no lovan'ny fokon'i Asera, ary nomena ireo fokony izany—ireo tanàna, miaraka amin'ireo zana-bohiny. 32 Ny antsapaka fahenina dia lasan'ny fokon'i Naftaly, ary nomeny ireo fokony izany. 33 Faritanin'izy ireo dia hatrany Halefa, hatrany amin'ny terebintana tao Zananima, hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela, hatrany Lakoma; ary nifarana tao Jordana izany. 34 Ny faritany niodina niatsinanana hatrany Aznota-tabara ary hatrany Hokoka; nahazo an'i Zebolona eo atsimo izany, ary nahatratra an'i Asera ny tany andrefana sy Joda ny tany atsinanana tany amin'ny reniranon'i Jordana. 35 Ireo tanàna mimanda dia Zidima, Zera, Hamata, Rakata, Kinereta, 36 Adama, Rama, Hazora, 37 Kadesy, Edrehy, ary En-hazora. 38 Nisy an'i Irona, Migdaela, Horema, Bet-anata, ary Beti-semesy ihany koa. Ireo no tanàna sivy ambin'ny folo, miaraka amin'ireo zana-bohiny. 39 Izany no lovan'ny fokon'i Naftaly, ary nomena ireo fokony izany—ireo tanàna, miaraka amin'ireo zana-bohiny. 40 Ny loka fahafito dia lasan'ny fokon'i Dana, ary nomena ireo fokony izany. 41 Tafiditra amin'ny fari-tanin'izany lova izany Zora, Estaola, Ira-semesy, 42 Salabima, Aijalona, ary Itla. 43 Tafiditra anatin'izany koa Elona, Timna, Ekrona, 44 Elteke, Gibetona, Baleta, 45 Jehoda, Bene-beraka, Gat-rimona, 46 Me-jarkona, ary Rakona miaraka amin'ny faritany ampitan'i Jopa. 47 Rehefa votsotra tamin'izy ireo ny faritanin'ny fokon'i Dana, dia nanafika an'i Lesema i Dana, niady nanohitra azy, ary nahababo azy. Novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra ny olon-drehetra, naka izany ho fananana, ary nitoetra tao. Nomen'izy ireo anarana vaovao i Lesema, niantso izany hoe Dana araka ny razamben'izy ireo. 48 Izany no lovan'ny fokon'i Dana, ary nomena ireo fokony izany—ireo tanàna, miaraka amin'ireo zana-bohiny. 49 Rehefa nahavita ny fizarana ny tany ho lova izy ireo, dia nanome lova teo amin'izy ireo ho an'i Josoa zanaka lahin'i Nona ny vahoakan'Israely. 50 Tamin'ny alalan'ny didin'i Yaveh no nanomezan'izy ireo azy ny tanàna izay nangatahiny, Timna-sera ao amin'ny tany havoan'i Efraima. Naveriny namboarina ny tanàna ary nipetraka tao izy. 51 Ireo no lova izay notendren'i Eleazara mpisorona, Josoa zanaka lahin'i Nona, ary ireo mpitari-pokon'ireo ankohonan'ireo razambeny tao amin'ny vahoakan'Israely, voatendry tamin'ny loka tao Silo, teo anoloan'i Yaveh, teo amin'ny fidirana mankao amin'ny lay fihaonana. Ka dia nahavita nanendry ny tany izy ireo.
"Ny fotoana faharoa nilokan'i Josoa, ny loka dia natokana ho an'ny fokon'i Simoeona"
isa roa ao amin'ny lisitra
D.H: "Nanendry ny tany ho an'ny fokon'izy ireo tsirairay i Josoa"
Ny tany dia voalaza fa izany ilay lova izay noraisin'ireo foko ho fananana maharitra. D.H: "Ny tany izay noraisin'izy ireo ho lova dia teo afovoan'ny tany ary noraisin'ny fokon'i Joda ho lova."
Ny mpanoratra nanao an-disitra ireo tanàna izay ao amin'ny tany izay noraisin'ny fokon'i Simeona ho lova.
Ny tany sy ireo tanàna izay azon'ny fokon'i Simeona dia voalaza fa izany ilay lova izay azon'izy ireo ho fananana maharitra. D.H :" Nanana ireo tanàna manaraka ho lovany izy ireo"
Ny mpanoratra nanao an-disitra ireo tanàna izay ao amin'ny tany izay noraisin'ny fokon'i Simeona ho lova
Ity dia anaran-toerana.
Ny tany sy ireo tanàna izay azon'ny fokon'i Simeona dia voalaza fa izany ilay lova izay azon'izy ireo ho fananana maharitra. D.H :"Izany ny tany sy ny tanàna izay azon'ireo fokon'i Simeona ho lova"
D.H : "izany no natolotr'i Josoa tamin'ny fokon'izy ireo"
D.H: "ny anajara tany izay notendren'i Josoa ho an'ny fokon'ny Joda"
"teo afovovoan'ny anjara tanin'ny Joda"
"Ny fotoana fahatelo nilokan'i Josoa, ny loka dia natokana ho an'ny fokon'i Zebolona"
isa fahatelo ao amin'ny lisitra
Ireo dia anaran-toerana.
"avy eo am-pitan'ny Jokneana"
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo dia anaran-toerana.
Ity dia tsy mitovy amin'ilay "Betlehema" izay any atsimon'ny Jerosalema any Joda.
Ny tany sy ireo tanàna izay azon'ny fokin' i Zebolona dia voalaza fa izany ilay lova izay noraisin'izy ireo ho fananana maharitra. D.H: "izany ny tany sy tanàna izay noraisin'ny fokon'i Zebolona ho lova"
D.H: "izany no natolotr'i Josoa izay ho an'ny fokon'izy ireo"
"Ny fotoana fahefatra nilokan'i Josoa, ny loka dia natokana ho an'ny fokon'i Isakara"
isa efatra ao amin'ny lisitra
Ireo dia anaran-tanàna.
Ireo dia anaran-tanàna.
Ny tany sy ireo tanàna izay azon'ny fokin' i Isakara dia voalaza fa izany ilay lova izay noraisin'izy ireo ho fananana maharitra. D.H: "izany ny tany sy tanàna izay noraisin'ny fokon'i Isakara ho lova"
"Natolotr'i Josoa tamin'ny fokon'izy ireo izany"
"Ny fotoana fahadimy nilokan'i Josoa, ny loka dia natokana ho an'ny fokon'i Asera"
isa dimy ao amin'ny lisitra.
D.H: "Natolotr'i Josoa tamin'ny fokon'izy ireo izany"
Ireo dia anaran-tanàna.
Ireo dia anaran-tanàna.
Ireo dia anaran-tanàna.
Ny tany sy ireo tanàna izay azon'ny fokin'i Asera dia voalaza fa izany ilay lova izay noraisin'izy ireo ho fananana maharitra. D.H: "izany ny tany sy tanàna izay noraisin'ny fokon'i Asera ho lova"
D.H: "Natolotr'i Josoa ho an'ny fokon'izy ireo izany"
"Ny fotoana fahenina nilokan'i Josoa, ny loka dia natokana ho an'ny fokon'i Naftaly"
isa enina ao amin'ny lisitra
D.H: "Natolotr'i Josoa ho an'ny fokon'izy ireo izany"
Ireo dia anaran-tanàna.
Ireo dia anaran-tanàna.
Ity dia tsy mitovy amin'ilay toerana tahaka an'ny "Hamata," fa toerana any avaratry ny moron-dranomasin'ny Galilea.
Ireo dia anaran-tanàna.
Ny tany sy ireo tanàna izay azon'ny fokin'i Naftaly dia voalaza fa izany ilay lova izay noraisin'izy ireo ho fananana maharitra. D.H: "izany ny tany sy tanàna izay noraisin'ny fokon'i Naftaly ho lova"
D.H: "Natolotr'i Josoa ho an'ny fokon'izy ireo izany"
"Ny fotoana fahatelo nilokan'i Josoa, ny loka dia natokana ho an'ny fokon'i Dana"
isa fito ao amin'ny lisitra
Ny tany izay noraisin'ireo fokon'i Dana dia voalza fa izany ilay lova izay azon'izy ireo ho fananana maharitra. D.H: "Ny faritanin'ny tany izay noraisin'ny fokon'i Dana ho lova"
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo dia anaran-tanàna.
"ampitan'i Jopa" na "ivelan'i Jopa"
Io dia anaran-tanàna.
Ny tany sy ireo tanàna izay azon'ny fokin'i Dana dia voalaza fa izany ilay lova izay noraisin'izy ireo ho fananana maharitra. D.H: "izany ny tany sy tanàna izay noraisin'ny fokon'i Dana ho lova"
D.H: "Natolotr'i Josoa ho an'ny fokon'izy ireo izany"
Ny tany izay noraisin'i Josoa dia voalza fa izany ilay lova izay azony ho fananana maharitra. D.H: "nanome ny tanàna mbanin'ireo taniny manokana ho lova ho an'i Josoa zanaka lahin'i Nona"
Io dia anaran-tanàna.
Ny tany sy ireo tanàna izay azon'ireo isakan-karazany dia voalaza fa izany ilay lova izay noraisin'izy ireo ho fananana maharitra. D.H: "ireo no anjara-tany sy tanàna... notendrena ho lova"
1 Ary Yaveh niteny tamin'i Josoa hoe: 2 "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely, manao hoe: "Tendreo ireo tanàna fialofana izay noresahako anao tamin'ny tanan'i Mosesy. 3 Ataovy izany mba hahafahan'izay namono olona tsinahy mankany. Ireo tanàna ireo dia ho toerana fialofana amin'ny olona izay mitady hamaly faty ny ràn'ny olona izay voavono. 4 Hitsoaka any amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo izy ka hijoro eo amin'ny fidiran'ny vavahadin'ny tanàna, ary hanazava ny tranga nahazo azy amin'ireo loholon'io tanàna io. Avy eo dia ho raisin'izy ireo ao amin'ny tanàna izy ary hanome toerana hipetrahana miaraka amin'izy ireo ho azy. 5 Raha misy iray amin'izy ireo miezaka mamaly faty ny ràn'ilay olona novonoina, dia tsy ho atolotr'ireo vahoaka eo an-tanàna amin'ireo manam-pahefana ilay iray izay nahafaty azy. Tsy tokony hanao izany izy ireo satria nahafaty tsy nahy ilay mpiara-belona taminy izy, ary tsy nanana fankahalana taminy izy tany aloha. 6 Tsy maintsy mijanona ao amin'izany tanàna izany izy mandra-pijorony eo anatrehan'ny fiangonana ho tsaraina, mandra-pahafatin'ilay iray izay nanompo tahaka ny mpisoronabe tamin'izany andro izany. Ary ilay iray izay nanomo tsy nahy ilay olona dia afaka hiverina any an-tanànany sy ny tranony, any amin'ilay tanan-dehibe izay nandosirany."' 7 Koa dia nisafidy an'i Kadesa ao Galilia tao amin'ny tany havoan'i Naftaly, Sekema ao amin'ny tany havoan'i Efraima, ary i Kiriat-arba (mitovy amin'i Hebrona) ao amin'ny tany havoan'i Jodia ireo Israelita. 8 Tany an-dafin'ny Jordana atsinanan'i Jeriko, dia nifidy an'i Bezera tany an'efitra teo amin'ny tany lemaka avy amin'ny foko Robena; Ramota Gileada, avy amin'ny fokon'i Gada; ary Golana ao Basana, avy amin'ny fokon' i Manase izy ireo. 9 Ireo tanàna ireo no nofidiana ho an'ny vahoakan'Israely rehetra sy ho an'ireo vahiny mipetraka miaraka amin'izy ireo, mba hahafahan'izay nahavono olona tsy nahy mitsoaka any amin'izy ireo am-pilaminana. Io olona io dia tsy ho fatin'ny tanan'ilay iray izay naniry hamaly faty ny rà izay nalatsaka, mandra-pijoroan'ilay olona voampanga eo anatrehan'ny fiangonana.
Eto ny "tanan'i Mosesy" dia maneho ireo soratra masina izay nosoratan'i Mosesy eo ambany. D.H: "ny amin'ireo zavatra izay nodoratan'i Mosesy"
Izany dia mitranga rehefa misy olona iray mamono olona tsy nahy, tsy misy tanjona ny hanao izany.
Eto ny mandatsa-drà an'olona dia manambara ny fahafatesany. D.H: "mamaly fatin'olona"
Eto ny teny "izy" maneho ny olona izay namono olona tsy nahy.
"mandresy lahatra ny loholon'izany tanàna izany fa tsy namono olona tsy nahy izy."
Ny teny "izy ireo" dia maneho ireo loholona ary "izy" dia maneho ilay olona izay namono olona tsy nahy.
Ity dia manambara ny tanàna rehetra, fa tsy ireo loholona ihany.
Eto ny mandatsa-drà an'olona dia manambara ny fahafatesany. D.H: "mamaly fatin'olona"
Ireo andian-teny ireo dia midika zavatra mitovy.
Ity andian-teny izay mamaritra ny fijoronana hitadiavana ny rariny avy amin'ny fiangonana kelin'ny mpiray tanàna aminy.
Ireto ary dia feno anarana ao amin'izany faritra izany.
Ity anarana fohy amin'ny Reniranon'ny Jordana.
Eto ny "tanan'ilay' dia midika ilay olona tsy maintsy ho lasa mpandraharaha mahitsy izay namono ny mpandositra. D.H: "tsy maintsy voavona amin'iliay ray"
Eto ny mandatsa-drà an'olona dia manambara ny fahafatesany. D.H: "mamaly fatin'olona"
1 Ary ireo lohany tamin'ny fokon'ireo Levita nanatona an'i Eleazara mpisorona, an'i Josoa zanak'i Nona, sy ireo mpitarika ireo fianakavian'ny razamben'izy ireo teo amin'ny vahoakan'Israely. 2 Tao Silo tany amin'ny tany Kanana dia hoy izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Nandidy anareo tamin'ny tanan'i Mosesy i Yaveh mba hanome anay tanàna honenana, miaraka amin'ny tanim-bilona ho an'ireo biby fiompinay." 3 Nohon'ny baikon'i Yaveh, dia natolotry ny vahoakan'Israely avy amin'ny lovan'izy ireo ireto tanàna manaraka ireto, miaraka amin'ny tanim-bilon'izy ireo, ho an'ireo Levita. 4 Ny an-tsapaka teo amin'ireo fokon'ny Kehatita dia nanome izao vokatra izao: Ireo mpisorona__ireo taranak'i Arona izay avy amin'ireo Levita__dia nahazo tanàna telo ambin'ny folo avy amin'ny fokon'i Joda, avy amin'ny fokon'i Simeona, ary avy amin'ny fokon'i Benjamina. 5 Ny sisa tamin'ireo fokon'ny Kehatita dia nahazo tanàna folo tamin'ny an-tsapaka avy tamin'ny isam-pianakavian'ireo fokon'i Efraima, Dana, ary avy amin'ny an-tsasaky ny fokon'i Manase. 6 Avy eo ny taranaka avy amin'i Gersona nomena, tamin'ny an-tsapaka, tanàna telo ambin'ny folo avy amin'ny isam-pianakavian'ireo fokon'i Isakara, Asera, Naftaly, ary ny antsasaky ny fokon'i Manase any Basana. 7 Ireo vahoaka izay taranaka avy amin'i Merary kosa dia nahazo tanàna roa ambin'ny folo avy amin'ireo fokon'i Robena, Gada, ary Zebolona. 8 Noho izany dia nomen'ny vahoakan'Israely an'ireo levita, tamin'ny antsapaka, ireo tanàna ireo (miaraka amin'ireo tanim-bilony), araka izay efa nandidian'i Yaveh tamin'ny tanan'i Mosesy. 9 Avy amin'ireo fokon'i Joda sy Simeona, dia nanendry tany araka ireto tanàna manaraka ireto izy ireo, tanisana eto araka ny anarana. 10 Ireo tanàna ireo dia nomena ny taranak'i Arona, izay anisan'ireo fokon'ny Kehatita, izay avy amin'ny fokon'i Levy kosa. Satria nitontona tao amin'izy ireo ny an-tsapaka voalohany. 11 Dia nomen'ireo Israelita azy ireo i Kiriat-arba (Arba no rain'i Anaka), ilay tanàna mitovy amin'i Hesbona, ao amin'ny tany havoan'i Joda, miaraka amin'ireo tanim-bilona manodidina izany. 12 Fa ireo sahan'ny tanàna sy ireo zana-bohiny kosa dia efa nomena an'i Kaleba zanak'i Jefone, mba ho fananany. 13 Ho an'ireo taranak'i Arona mpisorona dia nomen'izy ireo miaraka amin'ireo tanim-bilony Hebrona__izay tanàna iray fandosiran'ireo izay namono olona tsy nahy__ary Libna miaraka amin'ireo tanim-bilony, 14 Jatira miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Estemoa miaraka amin'ireo tanim-bilony. 15 Nomen'izy ireo koa Holona miaraka amin'ireo tanim-bilony, Debira miaraka amin'ireo tanim-bilony, 16 Aina miaraka amin'ireo tanim-bilony, Jota miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Beti-semesy miaraka amin'ireo tanim-bilony. Sivy ireo tanàna izay azo avy amin'ireo foko roa ireo. 17 Avy tamin'ny fokon'i Benjamina no nahazoana an'i Gibeona miaraka amin'ireo tanim-bilony, Geba miaraka amin'ireo tanim-bilony, 18 Anatota miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Almona miaraka amin'ireo tany manodidina azy__tanàna efatra. 19 Ireo tanàna izay nomena ireo mpisorona kosa, ireo taranak'i Arona, dia tanàna telo ambin'ny folo raha atambatra, ao anisan'izany ireo tanim-bilon'izy ireo. 20 Raha ny sisa amin'ny fianakavian'i Kehata__ireo Levita izay an'ny fianakavian'i Kehata__dia nomena azy ireo tamin'ny an-tsapaka ireo tanàna avy amin'ny fokon'i Efraima. 21 Izy ireo no nanomezana an'i Sekema miaraka amin'ireo tanim-bilony tao amin'ny tany havoan'i Efraima__tanàna iray fandosiran'ireo izay namono olona tsy nahy__Gazera miaraka amin'ireo tanim-bilony, 22 Kibzaima miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Beti-horona miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra ny fitambarany. 23 Avy tamin'ny fokon'i Dana, no nanomezana hoan'ny fokon'i Kehata an'i Elteke miaraka amin'ireo tanim-bilony, Gibetona miaraka amin'ireo tanim-bilony, 24 Aialona miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Gata-rimona miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra ny fitambarany 25 Avy amin'ny an-tsasaky ny fokon'i Manase, no nanomezana hoan'ny fokon'i Kehata an'i Tanaka miaraka amin'ireo tanim-bilony sy Gata-rimona miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna roa. 26 Tanàna folo raha atambatra ny an'ireo fokon'i Kehatita sisa, anisan'izany ny tanim-bilon'izy ireo. 27 Avy amin'ny an-tsasaky ny fokon'i Manase, hoan'ireo fokon'ny Gersona, ireo dia fokon'ny Levita hafa koa, ary izy ireo nanome an'i Golana tao Basana miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna iray fandosiran'izay nahafaty olona tsy nahy, mbamin'i Bestera miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna roa ny fitambarany. 28 Ho an'ireo fokon'i Gersona dia nomen'izy ireo avy amin'ny fokon'i Isakara koa i Kisiona, mbamin'ireo tanim-bilony, Daberata mbamin'ireo tanim-bilony, 29 Jarmota mbamin'ireo tanim-bilony, ary Enganima mbamin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra. 30 Avy amin'ny fokon'i Asera, dia nomen'izy ireo Misala miaraka amin'ireo tanim-bilony, Abdona miaraka amin'ireo tanim-bilony, 31 Helkata miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Rehoba miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra ny fitambarany. 32 Avy amin'ny fokon'i Naftaly, no nanomezan'izy ireo an'i Gersona Kadesy any Galilia miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna iray fandosiran'izay nahafaty olona tsy nahy; Hamotadora miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Kartana miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna telo ny fitambarany. 33 Tanàna telo ambin'ny folo raha atambatra, avy amin'ireo fokon'i Gersona, miaraka amin'ireo tanim-bilony. 34 Ho an'ireo levita sisa__ireo fokon'i Merary__no nanomezana avy amin'ny fokon'i Zebolona: an'i Jokneama miaraka amin'ireo tanim-bilony, Karta miaraka amin'ireo tanim-bilony, 35 Dimnà miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Nahalola miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra ny fitambarany. 36 Ireo fokon'i Merary dia nahazo avy amin'ny fokon'i Robena: dia i Bezera miaraka amin'ireo tanim-bilony, Jahaza miaraka amin'ireo tanim-bilony, 37 Kedemota miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Mefata miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra. 38 Ankoatry ny fokon'i Gada dia nomena azy ireo Ramota any Gileada miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna iray fandosiran'izay nahafaty olona tsy nahy__ary Mahanaima miaraka amin'ireo tanim-bilony. 39 Ireo fokon'i Merary dia nahazo an'i Hesbona ihany koa miaraka amin'ireo tanim-bilony, sy Jazera miaraka amin'ireo tanim-bilony. Tanàna efatra ireo raha atambatra. 40 Ireo rehetra ireo dia tanànan'ireo foko maroben'i Merary, izay avy amin'ny fokon'i Levy__tanàna roa ambin'ny folo raha atambatra no nomena azy ireo tamin'ny antsapaka. 41 Ireo tanànan'ireo Levita nalaina avy tao afovoan'ny tany azon'ny vahoakan'Israely dia tanàna valo amby efapolo, miaraka amin'ireo tanim-bilony. 42 Ireo tanàna tsirairay ireo dia samy manana ny tanim-bilony manodidina azy. Dia tahaka izany ireo tanàna rehetra ireo. 43 Noho izany dia nomen'i Yaveh an'Israely ny tany rehetra izay nianianany homena ireo razany. Dia nandova izany ireo Israelita ka nonina tao. 44 Dia nomen'i Yaveh fitsaharana amin'ny manodidina rehetra izy ireo, araka izay nianianany tamin'ireo razany. Na dia iray tamin'ireo fahavalony aza dia tsy nisy afaka naharesy azy ireo. Dia natolotr'i Yaveh teo am-pelantanan'izy ireo ny fahavalony rehetra. 45 Na dia iray tamin'ireo teny fampanantenana tsara izay nolazain'i Yaveh tamin'ny taranak'Israely aza dia tsy nisy tsy tanteraka. Tanteraka avokoa izy rehetra.
Ireo dia anaran-dehilahy.
"Ireo Levita niteny azy ireo"
Ny andian-teny "tamin'ny tanan'i" dia midika izay nampiasain'i Yaveh an'i Mosesy ho mpandraharaha hanafaka ny didiny. D.H: "Yaveh niteny tamin'i Mosesy mba handidy anareo."
Ity dia maneho ireo tanàna mba ho voasoratra anaty lisitrin'ny andininy manaraka.
Kisendrasendra fomba fisafidianana iray hanalana ny safidy avy amin'ireo mpitarika,
Ity mpisorona ao amin'ity vondrona ity dia taranak'i Levy zanak'i Kehata. Ny anjaran'izy ireo dia tarank'i Arona ihany koa, zafikelin'i Kehata.
Isan'ny tanàna.
Atsasakin'ny foko satria ny atsasany hafa dia nahazo ireo lovany talohan'ny fiampitana ny Reniranon'ny Jordana.
Gerson dia iray amin'ireo zanaka lahin'i Levy.
Kisendrasendra fomba fisafidianana iray hanalana ny safidy avy amin'ireo mpitarika, matetika vita amin'ny hevitra izay hanapahan'Andrimanitra hevitra ny vokatra.
Merary dia iray amin'ireo zanaka lahin'i Levy.
Ny andian-teny "tamin'ny tanan'i Mosesy"' eto dia midika izay nampiasain'i Yaveh an'i Mosesy ho mpandraharaha hanafaka ny didiny. D.H: "Yaveh efa niteny an'i Mosesy handidy"
Ity mpisorona ao amin'ity vondrona ity dia taranak'i Levy zanak'i Kehata. Ny anjaran'izy ireo dia tarank'i Arona ihany koa, zafikelin'i Kehata.
Kisendrasendra fomba fisafidianana iray hanalana ny safidy avy amin'ireo mpitarika, matetika vita amin'ny hevitra izay hanapahan'Andrimanitra hevitra ny vokatra.
Ity dia fampahafantarana fototra mahakasika ny anran-dehilahy izay namorona ny tanànan'i Kiriata-arba.
Ity dia anaran-dehilahy.
faritrin'ny tany iray amin'ny fiakarana voajanahary, kely noho ny tendrombohitra.
faritra iray voaharon'ny ahitra sy ny zava-maniry mety ho an'ny kijan'ny biby fiompy.
Faritry ny fisokafan'ny tany, nambolena amin'ny zava-maniry, an'ny tanàna sy ny manodidina ny tanàna.
Fiarahamonina key iray, matetika key noho ny tanàna.
Ireo dia anaran-tanàna.
Isan'ny tanàna sy ny foko ao amin'ny andalan-teny.
D.H: "Ny fokon'i Benjamina nanolotra an'i Gibeona"
Ireo dia anaran-tanàna.
"Tanàna 13"
Ity mpisorona ao amin'ity vondrona ity dia taranak'i Levy zanak'i Kehata. Ny anjaran'izy ireo dia tarank'i Arona ihany koa, zafikelin'i Kehata
"Nahazo tanàna iezy ireo"
Kisendrasendra fomba fisafidianana iray hanalana ny safidy avy amin'ireo mpitarika, matetika vita amin'ny hevitra izay hanapahan'Andrimanitra hevitra ny vokatra.
Anran-tanàna.
Ity dia maneho ny lisitra amin'ny fitambaran'isa
D.H: "Ny fokon'i Dana dia natolotra tamin'ny fokon'i Kohata Elteke"
Ity mpisorona ao amin'ity vondrona ity dia taranak'i Levy zanak'i Kehata. Ny anjaran'izy ireo dia tarank'i Arona ihany koa, zafikelin'i Kehata
Ireo dia anran-tanàna.
Ity dia maneho ny isan'ireo tanàna.
D.H: "Ny atsasakin'ny fokon'i Manase natolotra tamin'ny fokon'i Kehata an'i Tanaka"
Ireo dia anaran-tanàna.
Isan'ny ny tanàna anaty lisitra
Ity mpisorona ao amin'ity vondrona ity dia taranak'i Levy zanak'i Kehata. Ny anjaran'izy ireo dia tarank'i Arona ihany koa, zafikelin'i Kehata.
D.H: "Ny atsasakin'ny fokon'i Manase, fokon'ny Levita hafa, dia nahazo avy amin'ireo atsasakin'ny fokon'i Manase an'i Golana"
anaran-tanàna
Ity dia maneho ny vokatry ny faty izay avy amin'ny fihetsika iray fa tsy natao hanaratsiana olona.
isan-tanàna.
D.H: "Ny fokon'i Gersona iahny koa dia nahazo an'i Kisiona"
Anran-tanàna.
D.H: "Nandray avy amin'ireo fokon'i Asera Misala izy ireo"
Ity dia maneho ny isan'ny tanàna anaty lisitra.
D.H: "Nandray avy amin'ireo fokon'i Naftalia Kedesa ireo fokon'i Gersona"
Ity dia anaran'olona.
Ireo dia anaran-tanàna.
"tanàna 13 ny fitambarany"
D.H: "Ny ambin'ireo Levita__fokon'ny Merary__dia nandray avy amin'ireo fokon'i Zebolona Jokneama"
anaran'olona
anaran-tanàna
Ny tanàna dia maneho ny fitambaran'isa.
D.H: "Nandray avy amin'ireo fokon'Robena Bezera ny fokon'Merary.
Ity dia maneho ny fitambaran'ny isan'ireo tanàna.
.
D.H: "Nandray avy amin'ny fokon'i Gada Ramota izy ireo"
Ity dia anaran-tanàna.
D.H: "Ireo fokon'i Merary dia nandray an'i Hesbona ihany koa."
Ireo dia anaran-tanàna.
"tanàna 12 raha atambatra"
D.H: "Nahazo ireo tanàna roa ambin'ny folo tamin'ny an-tsapaka izy ireo"
Kisendrasendra fomba fisafidianana iray hanalana ny safidy avy amin'ireo mpitarika, matetika natao amin'ny fomba izay hanapahan'Andriamanitra hevitra amin'ny vokatra.
D.H: "Nahazo ireo tanàny avy amin'ny afovoan'ny tany ireo Levita.
tanàna valo- "tanàna 48"
"nanaovany fianianana"
D.H: "Nandresy ny fahavalony rehetra izy ireo"
Eto ny "teo am-pelantanana" dia midika "teo amin'ny fahefany". D.H: "nanome fahefana azy ireo mba handresena ny fahavalon'izy ireo rehetra"
D.H: "Ny fampanantenan'olona tsara rehetra izay efa nolazain'i Yaveh tamin'ny taranak'Israely dia tanteraka."
1 Tamin'izany fotoana izany Josoa dia niantso ireo Robenita, Gadit, ary ny antsasa-pokon'i Manase. 2 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Efa tanterakareo avokoa izay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh anareo. Nankatoa ny feoko ianareo tamin'izay rehetra nandidiako anareo. 3 Tsy nandao ny rahalahinareo ianareo nandritra izay andro maro izay, mandrak'androany, ary tanterakareo ireo andraikitra izay notakiana tamin'ny alalan'ny didin'i Yaveh Andriamanitrareo. 4 Ankehitriny nomen'i Yaveh Andriamanitrareo fitsaharana ireo rahalahinao, araka izay nampanantenany azy ireo. Noho izany miverena ary mandehana any amin'ny lainareo any amin'ny tany anananareo, izay nomen'i Mosesy ilay mpanompon'i Yaveh anareo any ampitan'i Jordana. 5 Fa tandremo tsara mba ho voatandrina ireo didy sy lalàna izay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh anareo, dia ny hitiavana an'i Yaveh Andriamanitrareo, ny handehanana amin'ny lalany rehetra, ny hitandremana ny didiny, ary ny hifikirana aminy sy ny hanompoana azy amin'ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo." 6 Dia nitso-drano sy nampody azy ireo i Josoa, ary niverina tany amin'ny lainy izy ireo. 7 Ary ny antsasa-pokon'i Manase dia efa nomen'i Mosesy lova tany Basana, fa ny antsasany hafa kosa nomen'i Josoa lova tany akaikin'ireo rahalahiny tany amin'ny tany andrefan'ny Jordana. Josoa nampody azy ireo tany amin'ny lainy; nitso-drano azy ireo izy 8 ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Miverena any amin'ny lainareo miaraka amin'ny vola be, sy biby fiompy maro dia maro, sy volafotsy sy volamena, sy varahina sy vy, ary fitafiana maro dia maro. Zarao amin'ireo rahalahinareo ny babo tamin'ireo fahavalonareo." 9 Ary ny taranak'i Robena, ny taranak'i Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase niverina nody, nandao ny vahoakan'Israely tao Silo, izay tany amin'ny Kanana. Niainga ho any amin'ny faritanin'i Gileada, any amin'ny tanin'izy ireo, izay fananany, tamin'ny fankatoavana ny didin'i Yaveh, tamin'ny alalan'ny tanan'i Mosesy izy ireo. 10 Rehefa tonga tao Jordana izay tao amin'ny tany Kanana izy ireo, ny Robenita sy ny Gadita ary ny atsasa-pokon'i Manase dia nanorina altara nanakaiky an'ny Jordana, alitara tena lehibe sy nalaza. 11 Ny vahoakan'Israely nahare izany ka nanao hoe: "Indro! ny vahoakan-dRobena, Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase nanorina alitara teo anoloan' ny tany Kanana, any Gelilota, any amin'ny faritra akaikin'i Jordana, amin'ny ilany izay an'ny vahoakan'Israely." 12 Rehefa nahare izany ny vahoakan'Israely, dia niara-niangona tao Silo ny fiangonan'ny vahoakan'Israely manontolo mba hiakatra hamorona ady hanoerana azy ireo. 13 Ary ny vahoakan'Israely nandefa mpitondra hafatra ho any amin'ny Robenita, ny Gadita, ary ny antsasa-pokon'ny Manase, any amin'ny tany Gileada. Nandefa an'i Fineasy zanaka lahin'i Eleazara ihany koa izy ireo, ilay mpisorona, 14 ary mpitarika folo niaraka taminy, iray isaky ny razambem-pianakavian'Israely, ary izy ireo tsirairay avy dia efa lohan' ny fianakaviana tao amin'ny vahoakan'Israely. 15 Tonga tany amin'ny vahoakan'i Robena, Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase, tany amin'ny tanin'ny Gileada izy ireo, ary hoy izy ireo taminy: 16 "Izao no lazain'ny fiangonan'i Yaveh manontolo: 'Inona izao fivadiham-pitokisana nataonareo tamin'i Andriamanitr'Israely izao, niala tamin'ny fanarahana an'i Yaveh ianareo ankehitriny amin'ny alalan'ny fanorenanareo alitara tamim-pikomiana tamin'i Yaveh tamin'ity andro ity? 17 Tsy ampy antsika ve ny fahotantsika tao Peora? Izay mbola tsy nahadiovantsika ny tenantsika tamin'izany akory. Ary izany fahotana izany no nampisy areti-mandringana tao amin'ny fiangonan'i Yaveh. 18 Tsy maintsy hiala amin'ny fanarahana an'i Yaveh ihany koa ve ianareo amin'ity andro androany ity? Raha mikomy amin'i Yaveh ihany koa ianareo androany, dia ho tezitra amin'ny fiangonan'Israely manontolo Izy rahampitso. 19 Raha voaloto ny tany izay anananareo, dia tokony hiampita amin'ny tany izay misy ny tabernakelin'i Yaveh ianareo ary makà fananana ho anareo ao aminay. Aza mikomy amin'i Yaveh fotsiny, na mikomy aminay amin'ny fanorenana alitara hafa ho anareo ankoatra ny alitaran'i Yaveh Andriamanitsika. 20 Moa ve Akana zanaka lahin'i Zera tsy efa nandrava finoana tamin-javatra izay efa voatokana ho an'Andriamanitra? Moa ve tsy niraraka tamin'ny vahoakan'Israely rehetra ny fahatezerana? Ary tsy io lehilahy io irery no maty noho ny helony.'" 21 Ary ny fokon'i Robena, Gada, ary ireo atsasa-pokon'i Manase namaly ireo loham-pianakavian'Israely hoe: 22 "Ilay Tsitoha, Andriamanitra, Yaveh! Ilay Tsitoha, Andriamanitra, Yaveh! —Izy mahalala, ary ny Israely aoka hahalala! Raha tamim-pikomiana na tamin'ny fivadiam-pitokisana tamin'i Yaveh izany, dia aza hamindrana fo izahay amin'ity andro ity 23 ny amin'ny nanorenanay alitara mba hialanay amin'ny fanarahana an'i Yaveh. Raha nanorina ny alitara mba hahafahana manolotra fanatitra dorana, fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana izahay, dia aoka Yaveh hampanefa anay ny amin'izany. 24 Tsia! Tahotra no nanaovanay izao satria rahatrizay dia mety hanontany ny zanakay ny zanakareo hoe: 'Moa mifaninona amin'i Yaveh ianareo, ilay Andriamanitr'Israely? 25 Fa Yaveh efa nanao an'i Jordana ho faritra manelalanelana antsika sy ianao. Ianareo ry vahoakan'i Robena sy vahoakan'i Gada, tsy anao na inona na inona amin'i Yaveh ianareo.' Noho izany ny zanakareo dia mety hampitsahatra ny zanakay amin'ny fanompoana an'i Yaveh. 26 Ka hoy izahay hoe: 'Mamelà anay hanangana alitara ankehitriny, tsy ho an'ny fanatitra dorana na sorona, 27 fa mba ho vavolombelona eo aminay sy ianareo, ary ireo eo amin'ny taranaka fara-mandimbintsika, fa hanatanteraka ny fanompoana an'i Yaveh alohany isika, amin'ny alalan'ny fanatitra doran, sy sorona ary fanati-pihavanana ataontsika, ka mba tsy hitenenan'ny zanakareo amin'ny zanakay rahatrizay hoe: "Tsy manana anjara ao amin'i Yaveh ianareo.'" 28 Ary hoy izahay hoe: 'Raha tahiany ka lazaina aminay na amin'ireo taranakay rahatrizay izany, dia hataonay hoe: "Indro! Ity no dika mitovy amin'ny alitaran'i Yaveh, izay namboarin'ny razambenay, tsy ho an'ny fanatitra dorana, na sorona, fa ho vavolombelona teo aminay sy ianareo." 29 Sanatriavinay anie ny hikomy amin'i Yaveh, sy hiala amin'ny fanarahana Azy androany amin'ny alalan'ny fanorenana alitara ho an'ny fanatitra dorana, ny fanatitra hohanina, na sorona, hafa ankoatra ny alitaran'i Yaveh Andriamanitsika izay eo anoloan'ny tabernakeliny.'" 30 Rehefa ren'i Fineasa ilay mpisorona sy ireo mpitarika ny vahoaka, izay, loham-pianakavian'ny Israely niaraka taminy, dia nahare ireo teny nolazain'ny vahoakan'ny Robena, Gada, ary Manase, dia tsara tamin'izy ireo izany. 31 Dia hoy Fineasy zanaka lahin'i Eleazara ilay mpisorona tamin'ny vahoakan'ny Robena, Gada, ary Manase hoe: "Fantatray ankehitriny fa eto amintsika i Yaveh, satria ianao tsy nanao izany fivadiham-panekena izany taminy. Ankehitriny ianao nanavotra ny vahoakan'Israely tamin'ny tanan'i Yaveh ianao." 32 Ary Fineasa zanak'i Eleazara mpisorona, sy ireo mpitarika niverina avy tany amin'ireo Robenita sy ireo Gadita, tao amin'ny tanin'i Gileada ho any amin'ny tany Kanana, ho any amin'ny vahokan'Israely, ary nitondra valin-teny tamin'izy ireo. 33 Nety tamin'ny vahoakan'ny Israely ny tatitr'izy ireo. Nisaotra an'Andriamanitra ny vahoakan'Israely ary tsy niresaka ny hiady amin'ny Robenita sy ny Gadita intsony, mba hamotehana ny tany izay nitoeran'izy ireo 34 "Vavolombelona" no nataon'ny Robenita sy ny Gadita anaran'ilay alitara, satria hoy izy ireo hoe: "Io no vavolombelona eo aminay fa Yaveh no Andriamanitra."
olon'ny fokon'i Robenita
olon'ny fokon'i Gada
Eto ny "feoko" dia maneho an'ireo zavatra izay efa nolazain'iJosoa. D.H: "nankatoa izay rehetra nolzaiko"
D.H: "Efa nitoetra niaraka tamin'ny rahalahy nareo ianareo"
Ny olona mankatò an'i Yaveh dia voalaza fa izy dia mandeha amin'ny lalàn'i Yaveh. D.H: "Manaraka izay rehetra lazainy."
Ny teny hoe "fo" sy "fanahy" eto dia nampiasaina miaraka mba haneoana amin'ny olona manontolo. D.H: "amin'izay heritreretinareo sy tsapanareo rehetra" na "amin'ny tenanareo manontolo"
Ity dia anarana fohy amin'ny Reniranon'ny Jordana.
mafy, mahery, sahanandriam-by metaly
Ny tafika mpandresy dia tsy maintsy haka ireo zava-tsarobidy rehetra avy amin'ny vahoaka resin'izy ireo.
Ny teny "tamin'ny alalan'ny tanana" dia midika izay nampiasain'i Yaveh an'i Mosesy ho mpandraharaha hanafaka ny didiny. D.H: "ny didy izay nolazain'i Yaveh an'i Mosesy dia homena ho anao"
Ity dia anarana fohy amin'ny Reniranon'ny Jordana.
Ny fokon'ny Israelita izay nitoetra tany am-pitan'ny Reniranon'ny Jordana dia hihiditra ao Kanana ao amin'ny toerana izay nanaovan'izy ireo ny alitara. Izany toerana izany dia voalaza fa izany no "anoloana" na "fidirana" ao Kanana izay nitoeran'ireo foko hafa. D.H: "eo amin'ny fidirana mankany amin'ny tany Kanana" (UDB)
anaran-tanàna
tafim-panjkana miady eo amin'ny firenena roa na vondron'olona roa
anaran-dehilahy
Ny vahoakan'Israely rehetra dia voalaza fa natambatra iray raha toa ka olona iray izy ireo. D.H: "Ny fokon'Israelita hafa rehetra dia manontany"
Ity fanontaniana ity dia manamafy izay fahamafisan'ny fahotan'izy ireo tany aloha. Izany dia mety voasoratra ho fanambarana. D.H: "Efa nanota mahatsiravina tao Peora isika!"
Ity dia anaran-toerana.
D.H: "Dia mbola nanao ny holikin'ny fahotana izany ihany isiska"
Ity fanontaniana ity dia nampiasaina hitenenana mafy amin'ny olona amin'ny fahotan'izy ireo. Izany dia mety voasoratra ho fanambarana. D.H: "Tsy maintsy miala amin'ny fanarahana an'i Yaveh ianareo anio!"
Anaran-dehilahy.
Ireo fanontaniana ireo dia nampiasaina mba hampatsiahivana ny sazin'ny olona tamin'ireo fahotana taloha. Ireo fanontaniana ireo dia mety voasoratra ho fanambarana. D.H: "Akana zanaka lahin'i Zera dia nanota tamin'ny fakana ireo zavatra izay efa natokana ho an'i Yaveh. Ary izany no nahatonga an'Andriamanitra nanasazy ny vazoakan'Israely rehetra!"
Ireo foko telo dia natao hilazana fanambarana roa fa tsy nikiry marina izy ireo. Tsy nanao ny alitara hanompoana andriamanin-kafa izy ireo.
Ny fokon'i Robenita, i Gada sy ny satsasaikin'ny fokon'i Manase dia manome ny valintenin'izy ireo eto.
Ity dia milaza fiampangana izay heritreretin'ny foko telo amin'ireo zanakin'ny foko hafa mety hanorina matetika amin'ny hoavy.
Ireo foko telo dia mampiasa ity fonontaniana fampisainana ity mba hanamafisana ny toe-javatra ezahan'izy ireo hialana. Ity dia mety voasoratra ho fanambarana. D.H: "Tsy misy na inona na inona ataonareo amin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely!"
Ny fokon'i Robenita, i Gada sy ny satsasaikin'ny fokon'i Manase dia manohy ny valintenin'izy ireo.
Ity dia fitoizan'ny fiampangana izay herittreretin'ireo foko telo amin'ireo zanaky ireo foko hafa mety hanorina matetika amin'ny hoavy.
Ity dia anarana fohy amin'ny reniranon'ny Jordana.
Ireo foko telo dia nanorina alitara mba hialana amin'ity filazana toe-javatra mety hitranga amin'ny hoavy.
Ny fokon'i Robenita, i Gada sy ny satsasaikin'ny fokon'i Manase dia manome ny valintenin'izy ireo eto.
Ny alitara dia voalaza fa izany no vavolombelona izay afaka hijoro vavolombelona amin'ny marin'ireo foko telo.
Ity dia filazana toe-javatra izay tsy nirin'ireo foko hitranga.
"tsy misy anjara" na "tsy misy taranaka"
Ny fokon'i Robenita, i Gada sy ny satsasaikin'ny fokon'i Manase dia nahavita ny valintenin'izy ireo eto.
Ireo foko telo dia mamaritra ny fahafahan'izy ireo mamaly amin'ny fiampangana izay mety na mety tsy vita amin'ny fotoana ho avy.
Ny vintana inoana fa tsy maintsy hikomian'izy ireo dia voalaza fa misy fahalavirana lehibe amin'izy ireo. D.H: "Tsy hikomy tokoa isika"
Ijanona tsy hanaraka an'iY aveh dia voalaza fa niala tamin'ny fanarahana Azy izy ireo. DH: "Mijanona amin'ny fanarahana Azy"
"Eto ny "teny" dia maneho hafatra izay avy amin'ny teny. D.H: "re ny hafatra"
Eto "ny teo imason'izy ireo" dia midika "tamin'ny hevitr'izy ireo."
"nanimba ny fampanantenanareo taminy"
Eto ny "tanan'i Yaveh" dia maneho famaizana. Ny fiarovana ny olona dia voalaza toy ny fanavotana azy ireo tamin'ny tanany. D.H: "Efan nitazona an'i Yaveh tsy hanasazy anay ianareo"
Eto "nety tamin'ny" dia midika hoe "nanaiky". D.H: "Nanaiky ny tatitr'ireo mpitarika ny vahoaka."
"potehina izay rehetra amin'ny tany"
Ity dia maneho an'ireo Robenita sy Gadita.
Ny alitara dia voalaza fa izany no vavolombelona mety afaka hijoro vavolombelona ho an'ireo foko telo.
1 Rehefa afaka andro maromaro, rehefa nanome fitsaharana ho an'ny Israely avy ao amin'ireo fahavalony rehetra izay nanodidina azy ireo Yaveh, ary antitra sy nandroso taona Josoa. 2 Dia nampiantso ny Israely rehetra Josoa—ireo loholony, ireo mpitariny, ireo mpitsarany, ary ireo manam-boninahiny—ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Tena antitra aho. 3 Efa hitanareo ny zavatra rehetra izay nataon'i Yaveh Andriamanitrareo tamin'ireo firenena rehetra noho ianareo, fa Yaveh Andriamanitrareo no niady ho anareo. 4 Indro! Efa notendreko ho anareo ireo firenena izay mbola ho resena ho lovan'ireo fokonareo, miaraka amin'ireo firenena rehetra efa naringako, nanomboka tao Jordana ka hatrany amin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana. 5 Handroaka azy ireo Yaveh Andriamanitrareo. Hanosika azy ireo hiala aminareo Izy. Halainy ny tanin'izy ireo, ary haka ny tanin'izy ireo ho fanananareo ianareo, arak'izay nampanantenain'i Yaveh Andriamanitrareo anareo. 6 Koa matanjaha, mba hitandremanareo sy hanaovanareo ny rehetra izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, tsy hiala amin'izany mihitsy na miankavanana na miankavia, 7 mba tsy hifangaroanareo amin'ireo firenena izay mijanona ho aminareo na hanonona ireo anaran'ny andriamanitr'izy ireo, mianiana amin'izy ireo, nanompo azy ireo, na miankohoka amin'izy ireo. 8 Fa kosa, mifikira amin'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo tahaka izay efa nataonareo mandraka ankehitriny. 9 Fa Yaveh nandroaka teo anoloanareo ireo firenena lehibe, matanjaka. Fa ho anareo, tsy misy afaka mitsangana eo anoloanareo mandraka androany. 10 Ny lahy tokana amin'ny isanareo dia hahatonga ny arivo hitsoaka, satria Yaveh Andriamanitrareo, no Ilay miady ho anareo, tahaka ny nampanantenainy anareo. 11 Mitandrema tsara, mba hitiavanareo an'i Yaveh Andriamanitrareo. 12 Nefa raha miverina sy mifikitra amin'ireo izay sisa velon'ireo firenena izay mijanona eo aminareo ianareo, na raha mifanambady amin'izy ireo, na raha miaraka amin'izy ireo ianareo ary izy ireo miaraka aminareo, 13 dia fantaro tokoa fa Yaveh Andriamanitrareo tsy handroaka ireo firenena ireo hiala aminareo intsony. Fa kosa, ho lasa fandrika sy tonta ho anareo izy ireo, karavasy ao an-damosinareo ary tsilo eo amin'ny masonareo, mandra-pahafatinareo eto amin'ity tany soa izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ity. 14 Izao dia handeha amin'ny lalan'ny tany rehetra aho, ary fantatrareo amin'ny fonareo sy ny fanahinareo manontolo fa tsy misy teny iray tsy ho tanteraka tamin'ireo zavatra tsara rehetra izay nampanantenain'i Yaveh Andriamanitrareo anareo. Ireo zavatra rehetra ireo dia efa ho tonga ho anareo. Tsy misy iray amin'izy ireo ho latsaka. 15 Fa tahaka ny teny rehetra nampanantenain'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ka tanteraka, dia hitondra aminareo ireo zavatra ratsy rehetra Yaveh mandra-pandringanany anareo tsy ho eto amin'ity tany tsara izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ity. 16 Hataony izany raha mandika ny faneken'i Yaveh Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo mba hotandremana ianareo. Raha mandeha sy manompo ireo andriamanin-kafa ary miankohoka amin'izany ianareo, dia hirehitra aminareo ny hatezeran'i Yaveh, ary ho faty haingana tsy ho eo amin'ny tany soa izay nomeny anareo ianareo."
niaina nandritry ny taona maro
Ity dia anarana fohy amin'ny Reniranon'ny Jordana.
Ity dia manondro toro-dalana amin'ny fodian'ny masoandro.
Ny tsy fanarahana ny didy aman-dalàn'i Mosesy dia voalaza toy ny fivilian-dalana miankavia na miankavanana.
Mety midika hoe 1) misy finamanana akaiky amin'izy ireo na 2) mifanambady amin'izy ireo.
miteny ny
Ity dia maneho an'ireo andriamanitrin'ireo firenena sisa.
"tano mafy i Yaveh." Finoana an'i Yaveh dia voalaza fa nihazona mafy Azy izy ireo. D.H: "minoa an'i Yaveh hatrany"
"hatramin'izao fotoana izao"
Eto "mitsangana" dia manambara fihazonana ny tany amin'ny ady. Ny teny "ianareo" dia maneho ny firenen'Israely lehibe.
"iray"
"1,000"
Manaiky ny finoan'ireo firenena dia voalaza toy ny fihazonana mafy Azy. D.H: "ekeo ny finoana an'ireo sisa velon'ireo firenena"
Ny teny "fandrika" sy "tonta" amin'ny ankapobeny dia midika zavatra mitovy. Miteny an'ireo firenen-kafa miaraka izy ireo fa efa namandrika sahady izy ireo izay hahatonga fahoriana ho an'Israely.
Ireo andian-teny ireo dia milaza ny fahoriana hiatra amin'Israely satria nitaintaina noho ny karavasy sy tsilo izy ireo.
Josoa mapmiasa teny mihaja mba hanehoany ny tamin'ny fahafatesana. d.H: "Ho faty aho"
Eto ireo teny "fo" sy "fanahy" misy dikany mitovy. Manasongadina fahaizan'olona lalina miaraka izy ireo.
ireo teny ireo dia manamafy fa ny fampanantenan'i Yaveh dia nitranga avokoa. D.H: "ny teny rehetra dia tanteraka"
Ity dia maneho ny famaizana noraisina tamin'ny andiany tany aloha.
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Ny famaritana manaraka dia hoe ahoana ny olona "manompo ireo andriamanin-kafa."
"nirehitra" dia sarin-teny amin'ny fiatombohan'ny hatezeran'i Yaveh, "nirehitra" tahaka ny afo na nanomboka ny "firehetana" na tsotra indrindra dia hoe manomboka mirehitra toy ahitra maina na ireo tahony madinika. D.H: "Hanomboka tezitra aminareo i Yaveh"
1 Ary dia nampiarahan'i Josoa tao Sekema ireo fokon'Israely rehetra ary niantso ireo loholona tao Israely, ireo mpitarika azy ireo, ireo mpitsara, sy ny manam-pahefan'izy ireo, ary nampiseho ny tenan'izy ireo teo anatrehan'Andriamanitra. 2 Hoy i Josoa tamin'ny olona rehetra hoe: "Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely: 'Tany aloha ela be ireo razambenareo dia nipetraka tany an-dafin'ny reniranon'i Eofrata—Tera, ny rain'i Abrahama sy ny rain'i Nahora—ary nanompo ireo andriamanitra hafa izy ireo. 3 Fa nalaiko tany an-dafin'i Efraita ny rainareo ka nentiko tany amin'ny tany Kanana ary nomeko taranaka maro tamin'ny alalan'i Isaka izy. Ary nomeko an'i Jakoba sy Esao i Isaka. 4 Ary nomeko ho fananan'i Esao ny tany havoana an'i Seira, fa i Jakoba sy ireo zanany dia nidina tany Egypta. 5 Nandefa an'i Mosesy sy Arona Aho, ary namely ireo Egyptiana tamin'ny areti-mandringana. Taorian'izany, dia nentiko nivoaka ianareo. 6 Nentiko nivoaka an'i Egypta ireo razambenareo, ary tonga teny an-dranomasina ianareo. Nanenjika anareo tamin'ireo kalesy sy mpitaingi-tsoavaly hatrany any amin'ny ranomasina mena ireo Egyptiana. 7 Rehefa niantso mafy an'i Yaveh ireo razambenareo, dia nasiany haizina teo anelanelanareo sy ireo Egyptianina. Nentiny teo amin'izy ireo ny ranomasina ary nandrakotra azy ireo. Ianareo nahita ny nataoko tany Egypta. Avy eo ianareo dia nipetraka tany an'efitra nandritra ny fotoana naharitra. 8 Nentiko tany amin'ny tanin'i Amorita ianareo, izay nipetraka teny ampitan'i Jordana. Niady taminareo izy ireo, ary natolotro teo am-pelan-tananareo. Nalainareo ho fanananareo ny tanin'izy ireo, ary nopotehiko teo anatrehanareo izy reo. 9 Ary nitsangana i Balaka zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, ary nanafika an'Israely. Nandefa ary niantso an'i Balama zanak'i Beora, mba hanozona anareo. 10 Fa tsy nihaino an'i Balama aho. Nitahy anareo tokoa izy. Koa dia namonjy anareo teny an-tanany aho. 11 Niampita an'i Jordana ianareo ary dia tonga tao Jeriko. Ireo mpitarika an'i Jeriko dia niady taminareo, niaraka tamin'ireto Amorita, ireo Kananita, ireo Hetita, Girgasita, ireo Hevita, ary ireo Jebosita. Nomeko fandresena ianareo ary nametraka azy ireo ambanin'ny fifehezanareo Aho. 12 Nandefasako fangaraka ianareo, izay nampitsoaka azy ireo sy ireo mpanjakan'i Amorita roa teo anatrehanareo. Izany dia tsy nitranga tamin'ny alalan'ny sabatrareo na ny tsipìkareo. 13 Nomeko tany izay mbola tsy nasaina sy tanàna izay mbola tsy nanorenana ianareo, ary ankehitriny ianareo dia mipetraka eny amin'ireo. Mihinana ny voakazon'ny tanim-boaloboka sy ny sahan'oliva izay tsy nambolenareo ianareo.' 14 Ankehitriny matahora an'i Yaveh ary miderà Azy amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana; foano ireo andriamanitra izay notompoin'ireo razambenareo tany an-dafin'ny Eofrata sy tao Egypta, ary manompoa an'i Yaveh. 15 Raha hitanao fa ratsy ny midera an'i Yaveh, dia fidio anio izay ho tompoinao, na ireo andriamanitra izay notompoin'ireo razambenareo tany an-dafin'i Eofrata, na ireo andriamanitr'ireo Amorita, izay tompon'ny tany hipetrahanareo. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Yaveh izahay." 16 Namaly ireo vahoaka ary niteny hoe: "Tsy hamoy an'i Yaveh mihitsy izahay mba hanompo andriamanitra hafa, 17 satria Yaveh Andriamanitray no nitondra anay sy ireo razambenay hivoaka ny tany Egypta, hivoaka ny trano fanandevozana, sy izay nanao ireo famantarana lehibe teo imasonay, ary izay niaro anay tany amin'ny lalana rehetra nalehanay, ary tamin'ireo firenena rehetra izay nolalovanay. 18 Ary i Yaveh dia nitondra ireo olona nialoha lalana anay, ao anatin'izany ireo Amorita izay nonina tao amin'ny tany. Noho izany izahay koa dia hanompo an'i Yaveh, satria Izy no Andriamanitray." 19 Fa hoy i Josoa tamin'ireo vahoaka hoe: "Tsy mahazo manompo an'i Yaveh ianareo, satria Izy dia Andriamanitra masina; Izy dia Andriamanitra saropiaro; Izy dia tsy hamela ireo fandikàna sy ireo fahotànareo. 20 Raha mahafoy an'i Yaveh ianareo ary manompo ireo andriamanitra mpiavy, dia hiverina Izy ary hampahory anareo. Hanafongana anareo Izy, rehefa avy nanao soa taminareo." 21 Fa hoy ireo olona tamin'i Josoa hoe: "Tsia, hanompo an'i Yaveh izahay." 22 Ary hoy i Josoa tamin'ireo vahoaka hoe: "Ianareo dia vavolombelon'ny tenanareo fa efa nifidy an'i Yaveh, mba ho tompoina." Hoy izy ireo hoe: "Vavolombelona izahay." 23 Ankehitriny dia esory ireo andriamanitra hafa izay miaraka aminareo, ary hatodio amin'i Yaveh Andriamanitr'Israely ny fonareo." 24 Hoy ireo vahoaka tamin'i Josoa: "Hanompo an'i Yaveh Andriamanitray izahay. Hihaino ny teniny izahay." 25 Nanao fifanekena tamin'ny vahoaka i Josoa tamin'io andro io. Nametraka didy aman-dalàna tao Sekema izy. 26 Nosoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny lalànan'Andriamanitra ireo teny ireo. Naka vato lehibe izy ary napetrany teo ambanin'ny hazo terebintana izay teo akaikin'ny toerana masin'i Yaveh. 27 Hoy i Josoa tamin'ny vahoaka rehetra hoe: "Indro, ity vato ity no vavolombelona manohitra antsika. Nandre ireo teny nolazain'i Yaveh tamintsika izy. Koa ho vavolombelona aminareo io, raha toa ka mandà ny Andriamanitrareo ianareo." 28 Ary dia nalefan'i Josoa tsirairay avy tany amin'ny lovany ireo vahoaka. 29 Taorin'ireo zavatra ireo i Josoa zanak'i Nona, mpanompon'i Yaveh, dia maty tamin'ny faha 110 taonany. 30 Nalevin'izy ireo tany amin'ny faritany izay nolovainy izy, tany Timnata-sera, izay tany amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitr'i Gasa. 31 Nanompo an'i Yaveh i Israely nandritra ny androm-piainan'i Josoa, sy tamin'ny andron'ireo loholona izay niaina nihoatra an'i Josoa, ireo izay niaina ny zava-drehetra izay nataon'i Yaveh ho an'Israely. 32 Nentin'ny vahoakan'Israely nivoaka an'i Egypta ny taolam-balon'i Josefa ary nalevin'izy ireo tany Sekema ireo, ao amin'ilay ampahan-tany izay novidian'i Jakoba tamin'ireo zanaka lahin'i Hamora, rain'i Sekema. Nividy izany tamin'ny volafotsy zato singa izy, ary nanjary lova ho an'ireo taranak'i Josefa. 33 Maty ihany koa i Eleazara zanaka lahin'i Arona. Nalevin'izy ireo tany Gibeha, renivohitr'i Finehasa zanaka lahiny, izay efa nomena azy. Izany dia teny amin'ny tany havoan'i Efraima.
Ny antson'i Josoa tamin'ireo foko dia voalaza fa nampiarahiny niaraka tao anaty harona ireo. D.H: "nangataka an'ireo foko rehetra i Josoa mba hihaona aminy"
"tonga ary nitsangana teo anatrehany" na "tonga teo anatrehany"
"taona maromaro"
Josoa manomboka milaza izay efa nolazain'i Yaveh tany aloha. Ny filazana dia mitohy ka hatrany amin'ny andiany 13 farany.
ireo dia anaran-dehilahy.
Josoa dia miresaka hatrany izay nolazain'i Yaveh mahakasika ny fifanarahany tamin'ny vahoakany.
anaran-toerana na faritra
Egypta dia ambany hahavo izay amin'ny tanin'ny Kanana. D.H: "nandeha"
Josoa dia miresaka hatrany izay nolazain'i Yaveh mahakasika ny fifanarahany tamin'ny vahoakany.
Nampifandimbiasan'i Yaveh teo amin'ireo andian-teny roa, izay samy maneho amin'Israelita rehetra, ny taloha sy ny ankehitriny. Ny teny "ianareo" dia maro amin'ity teny ity ary maneho amin'ireo firenena lehibe an'Israely.
Josoa dia miresaka hatrany izay nolazain'i Yaveh mahakasika ny fifanarahany tamin'ny vahoakany.
Nampifandimbiasan'i Yaveh teo amin'ireo andian-teny roa, izay samy maneho amin'Israelita rehetra, ny taloha sy ny ankehitriny. Ny teny "ianareo" dia maro amin'ity teny ity ary maneho amin'ireo firenena lehibe an'Israely.
Ity dia maneho amin'ny ranomasin'ny Rida.
toerana tsy mahazatra, karakaina
Josoa dia miresaka hatrany izay nolazain'i Yaveh mahakasika ny fifanarahany tamin'ny vahoakany.
ny "ianareo" dia maro amin'ity teny ary amin'ny firenena lehibe an'Israely.
Ity dia anarana fohy amin'ny Reniranon'ny Jordana
Eto "tanana" dia maneho fahefana. D.H: "mamela anareo handresy azy ireo"
Josoa dia miresaka hatrany izay nolazain'i Yaveh mahakasika ny fifanarahany tamin'ny vahoakany.
anaran-dehilahy
ny "ianareo" dia maro amin'ity teny ary amin'ny firenena lehibe an'Israely.
Eto ny "tanana" dia maneho fahefana. D.H: "mamela anareo handresy azy ireo"
Josoa dia miresaka hatrany izay nolazain'i Yaveh mahakasika ny fifanarahany tamin'ny vahoakany.
ny "ianareo" dia maro amin'ity teny ary amin'ny firenena lehibe an'Israely.
Ity dia anarana fohy amin'ny Reniranon'ny Jordana
Biby kely manindrona manidina haingana izay mitoetra ao amin'ny fahavalo. Eto, "fangaraka" maromaro" dia voalaza ho iray ihany.
Josoa dia miresaka hatrany izay nolazain'i Yaveh mahakasika ny fifanarahany tamin'ny vahoakany.
Eto "hitanao" dia sarin-teny anaky roa. Voalohany dia maneho ny fijerin'izy ireo izany, saingy fijery nisy ifandraisany amin'ny faniriana. D.H: "Raha tsy tianao" (UDB)
Ity dia mampiseho ny fianakaviany izay mipetraka ao amin'ny ankohonany. D.H: "ny fianakaviako"
Milaza ny vahoaak fa niseho niaraka tamin'ireo razambeany izy ireo, ary ny ireo teny mampahery "anay" sy "izahay" miaraka amin'ny "razambeanay".
Eto ny "trano" dia fomba fiteny iray hanehoana ny toeran'ny fanandevozana. D.H: "toerana izay nanadevozana anay."
"firenena izay nandalovanay"
Ity dia maneho an'ireo Israelita.
Andriamanitra dia maniry ny hanompoan'ny vahoakany Azy ihany.
Ny fahatezeran'i Yazveh dia voalaza fa Izy ilay afo izay tsy maintsy handringana anareo. D.H: "Handringana anareo amin'ny afo Izy"
Ity dia maneho ireo Israelita.
Fanapahan-kevitra hankatoa an'i Yaveh ihany no voalaza ho fanatodihana ny fon'izy ireo Aminy. Eto ny "fo" dia mampiseho ny olona manotolo. Amin'ity toe-javatra ity, ny "fo" dia betsaka satria izany dia dia maneho amin'ireo Israelita rehetra ho vondrona tokana. Na izany aza, azo adika amin'ny hevitra tsara indrindra maro izany "ianareo" dia betsaka. D.H: ""atodiho amin'i Yaveh ny tenanareo" na "manapaha hevitra hankatoa an'i Yaveh"
Ity dia maneho ireo Israelita.
Eto ny "hihaino" midika fanakatoavana. D.H: "Hankatoa izay rehetra lazainy ho atao izahay"
Ny fametrahana lalàna dia voalaza fa i Josoa dia nametraka azy ireo teo amin'ny toerana tahaka ny tsangambato. D.H: "Nametraka didy aman-dalàna izy" na "Nanome didy aman-dalàna izy mba hankatoavina."
Ity dia miseho ho lasa fitohizana eo asa soratr'i Mosesy.
"napetrany teo"
Ity dia maneho ireo Israelita.
Ny vato izay napetrak'i Josoa dia voalaza fa izany ilay olona iray izay nandre izay voalaza ary mety hijoro vavolombelona mahakasika izay nolazaina.
"ianareo raha mbola"
"jato sy folo taona"
Ireo dia anaran-toerana.
Ity dia fomba fiteny izay maneho amin'ny fiainan'i Josoa rehetra
"nihaina ela be noho i Josoa"
Mety ho fanampiana hanovana ny fiatombohan'ny fehezanteny izany. D.H: "Nitondra ny taolam-balon'i Josefa nivoaka tany Egypta ny vahoakan'Israely ary nandevina ireo tany Sekema."
"100 singa"
anaran-dehilahy
anaran-toerana
1 Taorian'ny nahafatesan'i Josoa, nanontany an'i Yaveh ny vahoakan'Israely, nanao hoe: "Iza no hanafika voalohany ireo Kananita ho anay, mba hiady amin'izy ireo?" 2 Dia hoy Yaveh: "Hanafika i Joda. Indro, efa nomeko azy ireo ny fifehezana ity tany ity." 3 Ireo lehilahin'i Joda niteny tamin'ireo lehilahin'i Simeona, rahalahan'izy ireo hoe: "Miakara miaraka aminay any amin'ny faritaninay izay voatendry ho anay fa isika miaraka no afaka miady amin'ireo Kananita. Handeha hiaraka aminareo toy izany any amin'ny faritany izay voatendry ho anareo izahay." Ka nanaraka azy ireo ny fokon'i Simeona. 4 Nanafika ny lehilahin'i Joda, ary nomen'i Yaveh azy ireo ny fandresena an'ireo Kananita sy ireo Perezita. Namono lehilahy iray alina tamin'izy ireo tany Bezeka izy ireo. 5 Nahita an'i Adonia Bezeka tany Bezeka izy ireo, ary niady tamin'izy ireo ka nandresy ireo Kananita sy ireo Perezita. 6 Fa nitsoaka i Adonia Bezeka, ary nenjehin'izy ireo izy ka tratrany, ary notapahin'izy ireo ny ankihiben-tanany sy ny ankihiben-tongony. 7 Dia hoy i Adonia Bezeka: "Mpanjaka fitopolo, izay tapaka ny ankihiben-tanany sy ny ankihiben-tongotr'izy ireo, no nanangona ny sakafon'izy ireo tao ambanin'ny latabatro. Tahaka izay efa nataoko, dia toy izany ihany koa no nataon'Andriamanitra tamiko." Nentin'izy ireo tany Jerosalema izy, ary maty tany. 8 Niady tamin'ny tanànan'i Jerosalema ireo lehilahin'i Joda ary naka izany. Nanafika izany tamin'ny lela-tsabatra izy ireo ary nandoro ny tanàna. 9 Taorian'izany, nidina hiady amin'ireo Kananita izay nitoetra tany amin'ny tany havoana, tany Negeva, sy tany andrefan'ny tendrombohitra mitandavana ireo lehilahin'i Joda. 10 Nandroso nanohitra ireo Kananita izay nipetraka tany Hebrona i Joda (ny anaran'i Hebrona teo aloha dia i Kiriata Arba), ary nandresy an'i Sesay, Ahimana, ary Talmay izy ireo. 11 Avy teny no nandroso nanohitra ireo mponin'ny Debira ireo lehilahin'i Joda (ny anaran'i Debira teo aloha dia i Kiriaty Sefera). 12 Hoy i Kaleba: "Na iza na iza manafika an'i Kiriaty Sefera ary maka izany, dia homeko azy i Aksa, zanako vavy, mba ho vadiny." 13 Otniela, zanaka lahin'i Kenaza (zandry lahin'i Kaleba) nisambotra an'i Debira, ka dia nomen'i Kaleba azy i Aksa, zanany vavy, mba ho vadiny. 14 Tsy ela dia tonga tany amin'i Otniela i Aksa, ary nandrisika azy hangataka amin'ny rainy mba hanome saha iray azy izy. Raha niala tamin'ny ampondrany izy, dia nanontany azy Kaleba hoe: "Inona no azoko atao anao?" 15 Ary hoy izy taminy: "Omeo tso-drano aho. Satria efa nomenao ahy ny tany Negeva, dia omeo loharano ihany koa aho." Ka dia nomen'i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany. 16 Ny taranaky ny rafozan-dahin'i Mosesy ilay Kenita dia niakatra avy tany amin'ny Tanànan-drofia niaraka tamin'ny vahoakan'i Joda, nankany an'efitr'i Joda, izay tany Negeva, mba hiaina miaraka amin'ny vahoakan'i Joda akaikin'i Arada. 17 Ny lehilahin'i Joda nandeha niaraka tamin'ireo lehilahin'i Simeona rahalahin'izy ireo ary nanafika ireo Kananita izay nonina tany Zefata izy ireo ary noravan'izy ireo tanteraka izany. Ny anaran'ilay tanàna dia nantsoina hoe Horma. 18 Nosamborin'ny vahoakan'i Joda ihany koa i Gaza sy ireo tany manodidina azy, Askelona sy ny tany manodidina azy, ary Ekrona sy ny tany manodidina azy. 19 Niaraka tamin'ireo vahoakan'i Joda i Yaveh ary naka ny tany havoana izy ireo, nefa tsy afaka nandroaka ireo mponin'ny tany lemaka nohon'ny fananan'izy ireo kalesy vy. 20 Nomena an'i Kaleba i Hebrona (araka ny efa nolazain'i Mosesy), ary noroahiny tao ireo zanaka telo lahin'i Anaka. 21 Nefa tsy nandroaka ireo Jebosita izay mponin'i Jerosalema ny vahoakan'i Benjamina. Ka dia nonina niaraka tamin'ny vahoakan'i Benjamina tao Jerosalema ireo Jebosita mandrak'androany. 22 Ny ankohonan'i Josefa dia niomana hanafika an'i Betela, ary nomba azy ireo i Yaveh. 23 Naniraka lehilahy hitsikilo an'i Betela izy ireo (ilay tanàna izay nantsoina hoe Lozy teo aloha). 24 Nahita lehilahy nivoaka ny tanàna ireo mpitsikilo, dia hoy izy ireo taminy: "Mba asehoy anay re, ny fomba hidirana ao amin'ny tanàna, dia ho tsara fanahy aminareo izahay." 25 Dia nasehony azy ireo ny lalana mankao amin'ny tanàna, ka dia nanafika ny tanàna tamin'ny lelan-tsabatra izy ireo, nefa navelan'izy ireo nandeha ilay lehilahy sy ny fianakaviany. 26 Avy eo dia nankany amin'ny tanin'ireo Hetita ilay lehilahy ka nanorina tanàna ary nantsoiny hoe Lozy izany, izay anarany mandrak'androany. 27 Tsy noroahin'ireo vahoakan'ny Manase ireo vahoaka nitoetra tany amin'ny tanànan'i Beta Sana sy ireo zana-bohiny, na Tanasa sy ireo zana-bohiny, na ireo izay nonina tany Dora sy ireo zana-bohiny, na ireo izay nonina tao Ibleama sy ireo zana-bohiny, na ireo izay nonina tany Megido sy ireo zana-bohiny, satria efa tapa-kevitra ny hitoetra amin'izany tany izany ireo Kananita. 28 Rehefa lasa natanjaka i Israely, dia noteren'izy ireo hanompo azy ireo tamin'ny asa mafy ireo Kananita, nefa tsy mbola nandroaka azy ireo tanteraka izy ireo. 29 Tsy noroahin'i Efraima ireo Kananita izay nonina tany Gezera, ka dia nonina tany Gezera teo amin'izy ireo hatrany ireo Kananita. 30 Tsy noroahin'i Zebolona ny vahoaka nipetraka tany Kitrona, na ny vahoaka nipetraka tany Nahalola, ary dia nitoetra teo amin'izy ireo hatrany ireo Kananita, nefa noteren'i Zebolona hanompo azy ireo tamin'ny asa mafy ireo Kananita. 31 Tsy noroahin'i Asera ny vahoaka nitoetra tany Ako, na ny vahoaka nitoetra tany Sidona, na ireo izay nitoetra tany Alaba, Akziba, Helba, Afika, na Rehoba. 32 Ka dia nitoetra teo amin'ireo Kananita ny fokon'i Asera (ireo izay efa nitoetra tao amin'ilay tany), satria tsy nandroaka azy ireo izy ireo. 33 Tsy noroahin'ny fokon'i Naftaly ireo izay nitoetra tany Beta Semesa, na ireo izay nitoetra tany Beta Anata. Ka dia nitoetra teo amin'ireo Kananita ny fokon'i Naftaly (ny vahoaka izay efa nitoetra tamin'izany tany izany). Na izany aza, noterena tanatin'ny asa mafy ho an'i Naftaly ireo mponin'i Beta Semesa sy Beta Anata. 34 Noteren'ireo Amorita hitoetra any amin'ny tany havoana ny fokon'i Dana, ary tsy navelany nidina tany amin'ny lemaka izy ireo. 35 Ka dia nonina tao an-tendrombohitr'i Heresa, tany Aijalona, ary tany Salbima ireo Amorita, nefa ny miaramila maherin'ny ankohonan'i Josefa nandresy azy ireo, ary dia noteren'izy ireo hanompo azy amin'ny asa mafy izy ireo. 36 Nihitatra avy tany amin'ny havoan'i Akrabima any Sela niakatra hatrany amin'ny tany havoana ny sisin-tanin'ireo Amorita.
Ny bokin'ny Mpitsara dia manohy ny tantaran'i Josoa ary koa fiandohan'ny fizarana vaovaon'ny tantara.
Izany no anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoakany tao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejin'ny fandikan-teny momban'i Yaveh mikasika ny fandikana izany.
Ny teny hoe "anay" dia ilazana ireo vahoakan'Israely.
"Joda" eto dia ireo lehilahin'ny fokon'i Joda. Nandidy ireo lehilahy ireo mba hanafika voalohany Yaveh. DH: "Tsy maintsy ireo lehilahin'i Joda no hanafika voalohany"
"Indro" na "eny tokoa" dia fanasongadinana izay ho avy manaraka eo.
Izany dia ilazana ny tany izay nonenan'ireo Kananita. DH: "Ny tanin'ireo Kananita"
"Ireo Israelita naman'izy ireo" na "Ireo havan'izy ireo"
Ireo vahoakan'ny fokon'i Joda sy Simeona dia niara-nitoby tamin'ireo vahoakan'Israelita sisa tavela teo amin'ny lohasahan'ny Reniranon'i Jordana. Ny tany nomena an'i Joda dia teny amin'ireo havoana ambonin'ny lohasaha. Ny fiteny sasany matetika dia tsy milaza na niakatra na nidina ny vahoaka. DH: "Miaraha aminay" na "Andao hiaraka aminay"
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "izay notendren'i Yaveh ho anay...izay notendren'i Yaveh ho anareo"
"Handeha hiaraka aminareo ihany koa izahay" na "Tahaka izany koa, handeha hiaraka aminareo izahay"
Midika izany fa nanafika niaraka tamin'ireo lehilahin'i Joda ireo lehilahin'i Simeona.
"Namono lehilahy manodidina ny 10.000 izy reo" na "Namono lehilahy maro be izy ireo"
"Miaramila an'ireo Kananita sy Perezita" na "fahavalo"
Toerana eny amin'ny tendrombohitr'i Kanana izany.
Izany lehilahy izany dia mpitariky ny tafik'ireo Kananita sy ireo Perezita.
"Izy" eto dia ilazana an'i Adonia Bezeka sy ireo tafiny. DH: "niady taminy sy ireo miaramilany izy ireo"
"Nihaza azy"
"mpanjaka 70"
Azo atao hoe DH: "ny ankihiben-tanana sy ny ankihiben-tongotr'izy ireo izay nasaiko notopahin'ireo lehilahiko" na "ny ankiben-tanana sy ny ankihiben-tongotr'izy ireo izay notapahinay"
"nihinana sisan-tsakafo avy tao ambanin'ny latabatro." Ny fanerena ireo mpanjaka hihinana ny sisan-tsakafo dia maneho amin'ny fomba rehetra fa nanala baraka ireo mpanjaka i Adonia Bezeka.
"tanàna" eto dia midika hoe vahoaka. DH: "ny vahoaka izay nonina tao Jerosalema ary naharesy azy ireo"
"izany" eto dia ilazana ny tanàna na ny vahoakan'ny tanàna. DH: "Nanafika ny vahoakan'ny tanàna izy ireo"
"tamin'ny tendron-tsabatra." "Sabatra" eto dia ireo sabatra sy ireo fitaovam-piadiana hafa izay nampiasain'ny miaramila tamin'ny ady. DH: "tamin'ny lelan-tsabatra" na "tamin'ireo fitaovam-piadian'izy ireo"
Ny teny hoe "midina" dia fampiasa ilazana ny dia avy any Jerosalema. DH: "Nandeha hiady ireo lehilahin'i Joda"
"any antsimon'ny efitr'i Joda"
havoana eny am-bodin'ny tendrombohitra
Izany dia fampahafantarana fototra. Ny olona sasany izay namaky voalohany ity boky ity dia mety efa nahare ny amin'i Kiriata Arba nefa tsy nahafantatra fa ny tanàna izay nantsoin'izy ireo Hebrona ihany izany.
Ireo no anaran'ireo Kananita telo mpitarika an'i Hebrona. Samy misolo tena ny tafiny ny mpitarika tsirairay. DH: "Sesay , Ahimana, sy Talmay, ary ireo tafiny"
Mety nosoratan'ny mpanoratra izany satria Debira no nahafantaran'ireo mpamaky ilay tanàna. Fa tamin'ny fotoana nanafian'Israely izany, dia nantsoina hoe Kiriaty Sefera izany. DH: "izay nantsoina hoe Kiriaty Sefera"
"Kiriaty Sefera" eto dia midika hoe vahoaka. DH: "Na iza na iza manafika sy mandresy ny vahoakan'i Kiriaty Sefera ary maka ny tanànan'izy ireo"
Izany no anaran'ny zanaka vavin'i Kaleba.
Anaran-dehilahy ireo.
"Nandrisika an'i Otniela i Aksa"
Izany dia midika fa nanome tany azy i Kaleba rehefa nagataka izany izy ao amin'ny andininy faha 14. Ao amin'ny andininy faha 15, dia nangataka loharano ho fanampin'ny saha izy.
"Ampio aho" na "Ataovy ho ahy izao"
Natolotr'i Kaleba ho vadin'i Otniela i Aksa, ka dia niara-nipetraka tamin'i Otniela tao amin'ny tanàna izay babo tao Negeva izy. Ny dika fenon'izany andian-teny izany dia azo atao tahaka izao. DH: "Satria efa nampanambady ahy ianao mba honenako any Negeva"
"rain'ny vadin'i Mosesy"
"rafozan-dahy, izay iray amin'ireo vahoaka Kenita, dia niakatra"
"nandao ny Tanànan-drofia ... ary nankany an'efitra
Izany no anarana hafa niantsoana ny tanànan'i Jeriko.
Izany no anaran'ny tanàna iray ao Kanana.
"rahalahy" eto dia midika hoe havana izay tany amin'ny fokon'Israely hafa.
Anarana tanàna iray tao Kanana izany.
Rehefa noravan'ireo Israelita i Zefata, dia novain'izy ireo "Horma" ny anaran'izany. Ny anarana "Horma" dia midika hoe "faharavana tanteraka."
Eto ny hoe "niaraka" dia midika fa nanampy ny vahoakan'i Joda i Yaveh.
Toerana midadasika be, tany tsy misy hazo maniry
Azo atao ihany koa hoe DH: "Nomen'i Mosesy an'i Kaleba i Hebrona"
Nampiasaina entina ilazana ny vondrona manontolo ireo mpitarika ny vahoaka. DH: "zanaka telo lahin'i Anaka sy ireo vahoakany"
Anaran-dehilahy izany. Anaka sy ireo taranany dia nalaza tamin'ny haranjanany.
"hatramin'ny androany." Izany dia ilazana ny fotoana nanoratana ny bokin'ny Mpitsara.
Eto ny hoe "ankohonana" dia midika hoe taranaka. Manase sy Efraima dia zanak'i Josefa, ary ny hoe "ankohonan'i Josefa" dia azo ilazana ireo taranak'i Manase sy Efraima." DH: "ireo taranak'i Manase sy Efraima" na "Ireo olon'ny fokon'ny Manase sy Efraima"
Eto ny hoe "Betela" dia ireo vahoaka izay monina ao Betela.
Mba hahazo vaovao an-tsokosoko
Izany dia fampahafantarana fototra. Ny sasany tamin'ireo olona izay namaky voalohany ity boky ity dia mety efa nahare ny amin'ny Lozy nefa tsy nahafantatra fa ny tanàna izay nantsoin'izy ireo Betela ihany izany.
olona maka vaovao an-tsokosoko
"tanàna" eto dia midika hoe vahoaka. DH: "nanafika ny vahoakan'ny tanàna izy ireo"
"tamin'ny tendro-tsabatra." "Sabatra" eto dia maneho ireo sabatra sy ireo fitaovam-piadiana hafa izay nampiasain'ny miaramila tamin'ny ady. DH: "tamin'ny lelan-tsabatra" na "tamin'ireo fitaovam-piadian'izy ireo"
Fomba fiteny izany. DH: "mandosira"
Izany tanànan-dehibe vaovao izay nanomboka tao amin'ny tanin'ireo Hitita izany dia nampitondraina ny anaran'ny tanàn-dehibe Lozy, akaikin'i Betela, izay nilaozan'ilay lehilahy.
"mbola izany foana ny anarany." "Mandraka androany" eto dia hilazana ny fotoana izay nanoratana ny bokin'ny Mpitsara.
Anaran-tanàna ireo
Ny hoe "Manapa-kevitra" dia mandray fanapahan-kevitra hentitra amin'ny zavatra iray. DH: "satria nandray fanapahan-kevitra hentitra ny tsy handao izany tany izany ireo Kananita"
Eto ny hoe "Israely" dia midika hoe vahoaka. DH: "Tamin'ny vahoakan'Israely lasa natanjaka kokoa"
"noteren'izy ireo hanao asa mafy ho azy ireo ireo Kananita"
Eto ny hoe "Efraima" dia ireo lehilahy na mialamilan'ny fokon'i Efraima.
Anaran'ny iray amin'ireo tanàna ao Efraima izany.
Eto ny hoe "Zebolona" dia ireo lehilahy na miaramilan'ny fokon'i Zebolona.
Anaran-tanàna tao amin'ny tany Kanana ireo
"Zebolona" eto dia ireo vahoakan'ny fokon'i Zebolona.
"asa enjana"
Eto ny hoe "Asera" dia ireo lehilahy na miaramilan'ny fokon'i Asera.
Anaran-tanàna tao amin'ny tany Kanana ireo
Anaran-tanàna ireo.
Azo atao ihany koa hoe. DH: "Noteren'ireo vahoakan'i Naftaly hiasa ho azy ireo tahaka ny andevo ny vahoakan'i Beta Semesa sy Beta Anata"
"sakano tsy hidina izy ireo"
toerana midadasika be, tany tsy misy hazo maniry
Anarana havoana mitombandavana izay nanorenana ny tanànan'i Aijalona
Anaran-tanàna ireo
Nahavita nandresy azy ireo ny foko taranak'i Josefa nohon'ny miaramila maherin'izy ireo"
Eto ny hoe "ankohonana" dia midika hoe taranaka. Manase sy Efraima dia zanak'i Josefa, ary ny "ankohonan'i Josefa" dia ilazana ireo taranak'i Manase sy Efraima" na "ireo lehilahy fokon'i Manase sy Efraima"
Izany dia lalana fandehanana tany atsimo andrefan'ny Ranomasina Maty. Nantsoina ihany koa hoe "Lalana Maingoka"
Anaran-tanàna izany
1 Niakatra avy tao Gilgala hankany Bokima anjelin'i Yaveh, ary nanao hoe: "Nitondra anareo niakatra avy tao Egypta Aho, ary nitondra anareo tany amin'ny tany nianianako homena ireo razanareo. Hoy aho: 'Tsy handrava ny fanekeko aminareo mihitsy Aho. 2 Aza manao fanekena amin'ireo izay mipetraka ao amin'ity tany ity ianareo. Aoka horavanareo ny alitaran'izy ireo.' Nefa tsy nihaino ny feoko ianareo. Fa inona ity nataonareo? 3 Koa ankehitriny aho dia milaza fa: 'Tsy handroaka ireo Kananita eo anatrehanareo Aho, fa ho lasa tsilo eo anilanareo izy ireo, ary ireo andriamaniny dia ho lasa fandrika ho anareo.'" 4 Raha niteny ireo teny ireo tamin'ny vahoakan'i Israely rehetra ny anjelin'Andriamanitra, dia nihiaka sy nitomany ny vahoaka. 5 Nantsoin'izy ireo hoe Bokima izany toerana izany. Nanolotra fanatitra ho an'i Yaveh tao izy ireo. 6 Ary rehefa naniraka ny vahoaka tamin'ny lalan'izy ireo Josoa, dia nankany amin'ny toerana voatendry ny vahoakan'i Israely tsirairay, mba haka ny tanin'izy ireo. 7 Nanompo an'i Yaveh nandritra ny androm-piainan'i Josoa sy ireo loholona izay mbola velona taoriany ny vahoaka, ary ireo izay nahita ny asa lehiben'i Yaveh rehetra nataony ho an'Israely. 8 Josoa zanaka lahin'i Nona mpanompon'i Yaveh, dia maty teo amin'ny faha-110 taonany. 9 Nandevina azy tao amin'ny faritanin'ny tany nanendrena azy tao Timnata-heresa izy ireo, tao amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny Tendrombohitr'i Gasa. 10 Izany taranaka rehetra izany ihany koa dia nangonina ho amin'ny razan'izy ireo. Nisy taranaka hafa nitombo taorian'izy ireo izay tsy nahafantatra an'i Yaveh na izay nataony tamin'ireo Israely. 11 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh vahoakan'Israely ary nanompo an'i Bala izy ireo. 12 Nisaraka tamin'i Yaveh izy ireo, ny Andriamanitry ny razan'izy ireo, izay nitondra azy ireo nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta. Nanaraka ireo andriamani-kafa izy ireo, ireo tena andriamanitr'ireo vahoaka izay nanodidina azy ireo, ary niankohoka tamin'ireo. Nanetsika ny fahatezeran'i Yaveh izy ireo satria 13 nisaraka tamin'i Yaveh ary nanompo an'i Bala sy ireo Astarta. 14 Nirehitra tamin'i Israely ny hatezeran'i Yaveh, ary nomeny an'ireo mpanafika izay nangalatra ny fananan'izy ireo taminy izy ireo. Namidiny ho andevo ireo izay voatazona tamin'ny herin'ny fahavalo manodidina azy ireo, mba tsy hahafahan'izy ireo intsony miaro ny tenany amin'ireo fahavalony. 15 Na taiza na taiza nandehanan'Israely niady, ny tanan'i Yaveh dia nanohitra azy ireo mba handresy azy ireo, araka ny nianianany tamin'izy ireo ary tao anaty fahoriana mahatsiravina izy ireo. 16 Ary Yaveh nanandratra mpitsara, izay namonjy azy ireo tamin'ny tanan'ireo izay nangalatra ny fananan'izy ireo. 17 Nefa tsy nihaino ireo mpitsarany izy ireo. Tsy nahatoky tamin'i Yaveh izy ireo ary nanolotra ny tenany toy ny mpijangajanga tamin'ireo andriamani-kafa sy nanompo ireo. Nivily faingana tamin'ny lalana niainan'ireo razany izy ireo_ireo izay nankatò ny didin'i Yaveh_nefa tsy mba nanao toy izany izy ireo. 18 Rehefa nanandratra mpitsara ho azy ireo i Yaveh, nanampy ireo mpitsara i Yaeh ary namonjy azy ireo tamin'ny tanan'ireo fahavalon'izy ireo tamin'ny andro rehetra niainanan'ireo mpitsara. Nangoraka azy ireo Yaveh raha nisento noho ireo izay nampahory sy nampijaly azy ireo izy ireo. 19 Fa rehefa maty ny mpitsara, dia niala sy nanao ireo zavatra izay ratsy kokoa noho ny nataon'ireo razany aza izy ireo. Nanaraka ireo andriamani-kafa mba hanompo sy hidera azy izy ireo. Nandà ny hiala tamin'ireo fanaony ratsy rehetra na tamin'ireo lalan'ny ditrany izy ireo. 20 Nirehitra tamin'i Israely ny hatezeran'i Yaveh; hoy Izy: "Satria ity firenena ity dia nandrava ireo tenin'ny fanekeko izay napetrako ho an'ireo razany_satria tsy nihaino ny feoko izy ireo_ 21 Izaho, manombok'izao, dia tsy handroaka eo anoloan'izy ireo na ny iray amin'ireo firenena izay navelan'i Josoa rehefa maty izy. 22 Hanao izany Aho mba hahafahako mitsapa ny Israely, na hitandrina ny lalan'i Yaveh sy handeha amin'izany izy ireo na tsia, toy ny nitandreman'ny razan'izy ireo izany." 23 Izany no antony nandaozan'i Yaveh ireo firenena ireo sy tsy nandroahany azy ireo faingana tao ary nanomezany azy ireo teo an-tanan'i Josoa.
Ireo mety ho eviny dia 1) "anjely misolo tena an'i Yaveh" na 2) "mpitondra hafatra manompo an'i Yaveh" na 3) mety i Yaveh tenany mihitsy, izay miendrika anjely miresaka amin'ny olona. Na ny iray amin'ireo dika ireo aza dia manazava fa nampiasa mpisolo tena "Izaho" ilay anjely, tahaka ny hoe Yaveh tenany no miresaka.
"nandao an'i Gilgala ary nankany Bokima"
Izany no niantsoan'ireo Israelita ilay toerana ao amin'ny 2:5 tao ahorian'ny nitenenan'ilay anjely mafy ny vahoaka. "Bokima" midika hoe "mitomany."
Mazava eto fa miresaka amin'ny vahoakan'Israely ilay anjelin'i Yaveh. DH: "ary niteny tamin'ny vahoakan'Israely hoe"
"nitarika anareo avy tao Egypta"
"ireo razambenareo"
Fomba fiteny izany. DH: "Tsy hanatanteraka izay nolazaiko fa hataoko ho anareo"
"feo" eto dia izay teny nolazain'i Yaveh. DH: "tsy nankatò ireo didiko ianareo"
Napetraka io fanontaniana io mba ahatonga saina ny vahoakan'Israely fa tsy nankatò an'i Yaveh izy ireo ka hijaly noho izany. DH: "Nanao zavatra mahatsiravina ianareo."
Mbola niresaka tamin'ireo vahoakan'Israely ihany ilay anjelin'i Yaveh
Misy farango sosona anaty farango sosona eto. Ilay farango sosona anatiny indrindra dia azo atao tahaka izao. DH: "Koa ankehitriny dia lazaiko aminareo fa tsy ... fandrika ho anareo."'
Ny fanakorontanan'ireo Kananita ireo Israelita dia resahina toy ny hoe tsilo eo anilan'ireo Israelita izy ireo. DH: "manakorontana"
hazo maranitra mahatratra 7 santimetatra ny halavany ary mitsiry amin'ny zava-maniry sasany
Ireo Israelita manompo ny andriamanitry ny Kananita dia nanao tahaka andriamanitra diso
"nitomany mafy"
Eto ny hoe "Ary" dia ampiasaina ho mari-pihatoana ao amin'ny fizotrin'ny tantara. Eto ny mpitantara dia manomboka ny famintinana izay manazava ny fomba nanotan'ny taranak'ireo Israelita sy ny nanompony andriamanitra tsy izy ka dia nofaizin'Andriamanitra izy ireo, nefa dia nandefa mpitsara hanavotra azy ireo izy. Ity famintinana ity dia tapitra eo amin'ny 2:23.
Ny tranga ao amin'ny 1:1-2:5 dia niseho taorian'ny nahafatesan'i Josoa. Ity dia mamerina mitantara ireo tranga izay niseho tamin'ny faran'ny bokin'i Josoa.
Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "nankany amin'ny toerana nomen'i Yaveh azy ireo"
Fotoana izay iainan'ny olona iray. DH: "nandritra ny fiainana"
Ireo lehilahy izay nanampy ny mpitariky ny Israely, nandray anjara tamin'ireo raharaham-pitsaram-piarahamonina sy ny raharaham-pinoana toy ny fisahanana ny lalàn'i Mosesy.
Ny dikan'izany dia hoe lava andro iainana nohon'ny olona hafa. DH: "niaina mihoatra izay noheveriny"
Anaran-dehilahy izany
Azo adika tahaka izao izany. DH: "izay nomen'Andriamanitra azy"
Anaran-toerana izany.
Anarana tendrombohitra izany.
Ny andian-teny hoe "nangonina ho amin'ny razan'izy ireo" dia midika fa maty ireo olona tao amin'izany taranaka izany, samy nandeha any amin'ny toerana izay andehanan'ireo razany izay maty talohan'izy ireo ny fanahiny. Izany dia fomba fiteny mihaja ilazana fa maty izy ireo.
Ny dikan'izany eto dia razambe an'olona na andian'olona.
"nihalehibe" na "lehibe"
"tsy nahafantatra" eto dia midika fa tsy manana fahalalana an'i Yaveh sy ny heriny izay nanan'ireo taranaka teo aloha.
"teo imason'i Yaveh" eto dia midika izay fiheveran'Yaveh sy ny heritreriny amin'ny zavatra iray. DH: "izay lazain'i Yaveh fa ratsy ny manao izany"
"Bala" amin'ny ankapobeny dia anarana andriamanitra tsy izy, ampiasaina ihany koa io teny io amin'ireo andriamanitra maro samihafa izay tompoina matetika miaraka amin'ny Bala.
Ireo Israelita izay tsy nankatò an'i Yaveh intsony dia nihevitra fa nisaraka ara-batana taminy ary nandao Azy.
"razambe"
Ny fanompoan'ireo Israelita andriamanitra tsy izy dia resahina toy ny hoe nandeha ary nanaraka andriamanitra tsy izy ireo Israelita.
Fihetsika anompoana sy anomezam-boninahitra olona izany.
"Nahatezitra an'i Yaveh"
Astarta dia notompoina ho andriamani-bavy tamin'ny fomba maro samihafa.
Nofaritana tahaka afo mandoro ny hatezeran'i Yaveh. DH: "Tezitra tamin'ny vahoakan'Israely i Yaveh"
"navelany angalatra ny fananan'izy ireo ireo mpanafika"
Ny famelan'i Yaveh ireo fahavalo haka ireo Israelita ho andevo dia resahina toy ny hoe namidiny ho amin'ny fanandevozana izy ireo. Ny andian-teny hoe "ireo izay voatazona tamin'ny" dia azo adika tahaka izao. DH: "Namela ireo fahavalony handresy azy ireo sy haka azy ireo ho andevo Izy, ary tsy hahatohitra ny tanjak'ireo fahavalony intsony izy ireo"
"tanana" eto dia manambara ny herin'i Yaveh. DH: "Nanampy ireo fahavalony handresy azy ireo Yaveh"
Ny fanendren'i Yaveh olona ho mpitsara dia resahina ny hoe nanandratra olona Izy.
"tanana" eto dia midika hoe hery. DH: "avy amin'ny herin'ireo fahavalony"
"tsy nankatò ireo mpitsarany izy ireo"
Ny fivadihan'ny vahoaka tamin'i Yaveh sy ny fanompon'izy ireo andriamani-kafa dia resahina toy ny hoe nijangajanga ny vahoaka. DH: "Nivadika taminy tamin'ny fanompoana andriamanitra tsy izy"
Ny tsy fanompoan'ny vahoaka an'i Yaveh tahaka izay nataon'ireo razany dia resahina toy ny hoe nivily sy nandeha tany amin'ny lalan-kafa tsy tahaka ireo razany ny vahoaka.
"ireo razambeny"
Ny fanendren'i Yaveh olona ho mpitsara dia resahina toy ny hoe nanandratra na nanangana olona Yaveh
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo Isrelita.
"tanana" eto dia entina ilazana ny herin'ireo fahavalo hamely an'i Israely. DH: "ny herin'ireo fahavalony"
"raha mbola velona koa ireo mpitsara"
Manana fihantrana amin'ny olona na zavatra iray.
Feo avoakan'olona iray mijaly, hamaritana ny fahorian'ireo Israelita fa mijaly izy ireo. DH: "mijaly izy ireo"
Ny tsy fankatoavan'ny vahoaka an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe nampivily ny tenany amin'i Yaveh.
"ireo razambeny"
Ny fanompoan'ireo Israelita andriamani-kafa dia resahina toy ny hoe nandeha sy nanaraka andriamani-kafa izy ireo. DH: "Nanompo sy nidera andriamani-kafa izy ireo"
"Nandà ny hanatsahatra ireo zava-dratsiny sy ny ditrany izy ireo." Azo adika ihany koa hoe. DH: "Nanohy ny fanaovan-dratsiny sy ny ditrany izy ireo"
Nampitahaina tamin'ny afo mandoro ny hatezeran'i Yaveh
Eto ny hoe "firenena" dia ireo vahoaka. DH: "ireo vahoaka ireo dia nandrava" na "ireo Israelita dia nandrava"
Eto dia ilazana ireo razambe an'olona na vondron'olona izany.
"Feo" eto dia entina ilazana ireo izay nolazain'i Yaveh. DH: "tsy nankatò izay nandidiako azy ireo izy ireo" na "tsy nankatò Ahy izy ireo"
Eto ny hoe "firenena" dia ilazana ireo vondron'olona izay nonina tao Kanana talohan'ireo Israelita.
Ny fanirian'i Yaveh ny vahoaka mba hiaina sy hankatò dia resahina toy ny hoe lalana. Ny olona iray mankatò an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lalany.
1 Ary Yaveh namela firenena ireo mba hitsapana an'i Israely, izany hoe ny olona rehetra tany Israely izay tsy nanana traikefa tamin'ny ady dia niady tany Kanana. 2 (Nanao izany izy mba hampianarana ady an'ireo taranak'Israelita vaovao izay mbola tsy nahalala izany teo aloha). 3 Ireto avy ireo firenena: ireo mpanjaka dimy avy amin'ireo Filistina, ireo Kananita rehetra, ireo Sidoniana, ary ireo Hivita izay nonina tany amin'ireo Tendrombohitra Libanona, hatramin'ny Tendrombohitra Bala-hermona ka hatrany Lalana Hamata. 4 Navela ireo firenena ireo, izany ny fomba nitsapan'i Yaveh an'Israely, mba hanamafisana na nankatò ireo didy izay nomeny an'ireo razamben'izy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo. 5 Noho izany ireo vahoakan'Israely dia nonina teo amin'ireo Kananita, ireo Hetita, ireo Amorita, Perizita, ary ireo Jebosita. 6 Ireo zanaka vavin'izy ireo dia nalain'izy ireo mba ho vadin'izy ireo, ary ireo zanaka vavin'izy ireo manokana dia nomen'izy ireo ho an'ny zanaka lahin'izy ireo, ary nanompo ireo andriamaniny izy ireo. 7 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh ny vahoakan'Israely ary nanadino an'i Yaveh Andrimanitr'izy ireo. Nanompo ireo Bala sy ireo Aseraha izy ireo. 8 Noho izany, dia nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'i Yaveh, ary namidiny teo am-pelatanan'i Kozana-risataima mpanjakan'i Arama Naharaima izy ireo. Nanompo an'i Kozana-risataima nandritra ny valo taona ireo vahoakan'Israely. 9 Rehefa niantso mafy an'i Yaveh ny vahoakan'Israely, dia nanandratra olona mba ho tonga hamonjy ny vahoakan'Israely i Yaveh, sy hanavotra azy ireo: Otniela zanaka lahin'i Kenaza (zandrin'i Kaleba). 10 Nanome hery azy ny fanahin'i Yaveh, ary nitsara an'i Israely izy ary nivoaka tany amin'ny ady. Nomen'i Yaveh fandresena teo anatrehan'i Kozana-risataima mpanjakan'i Arama izy. Nandresy an'i Kozana-risataima ny tanan'i Otniel. 11 Nilamina ny tany nandritra ny efapolo taona. Avy eo dia maty i Otniela zanaka lahin'i Kenaza. 12 Taorian'izany, dia mbola nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh indray ireo Israelita, ka nanome hery an'i Eglona mpanjakan'i Moaba mba hampandresy ireo Israelita i Yaveh. 13 Nikambana tamin'ireo Amona sy ireo Amaleka i Eglona, dia nandeha izy ireo ka nandresy an'Israely, ary nalain'izy ireo ho fananany ny Tanànan-drofia. 14 Nanompo an'i Eglona mpanjakan'i Moaba nandritra ny valo ambin'ny folo taona ny vahoakan'Israely. 15 Rehefa niantso mafy an'i Yaveh ny vahokan'Israely, dia nanandratra olona iray i Yaveh hanampy azy ireo, Ehoda zanak'i Gera, Benjamita, lehilahy kavia. Nandefa azy niaraka tamin'ny fandoavan-ketran'izy ireo, tany amin'i Eglona mpanjakan'i Moaba ny vahoakan'Israely. 16 Nanamboatra sabatra iray izay nisy lela roa ho azy i Ehoda, iray hakiho ny halavany; nafatony tao ambanin'ny akanjony teo amin'ny feny ankavanany izany. 17 Nomeny an'i Eglona mpanjakan'i Moaba ilay fanomezana. (Ary Eglona dia lehilahy matavy be.) 18 Taorian'ny nanoloran'i Ehoda ilay fandoavan-ketra, dia lasa niaraka tamin'ireo izay nitondra izany izy. 19 Raha ny amin'i Ehoda kosa, rehefa tonga teo amin'ilay toerana izay nisy ireo sarin-javatra voasokitra natao teo akaikin'i Gilgala izy, dia nitodika sady niverina izy, ary niteny hoe: "Manana tsiambaratelo ho anao aho, ry mpanjakako." Ary Eglona niteny hoe: "Mangina!" Ka nivoaka ny efitra ireo rehetra izay nanompo azy. 20 Tonga teo aminy i Ehoda. Nipetraka irery ny mpanjaka, irery tao amin'ny mangatsiatsiaka tao amin'ny efitrano ambony. Hoy i Ehoda hoe: "Manana hafatra avy any amin'Andriamanitra ho anao aho." Nitsangana avy teo amin'ny fipetrahany ny mpanjaka. 21 Nahinjitr'i Ehoda ny tanany havia ary nalainy teo amin'ny feny ankavanana ny sabatra, ka natsatony teo amin'ny vatan'ny mpanjaka izany. 22 Ilay tahon-tsabatra teo aminy dia nanaraka ny lamosina. Nivoaka tao an-damosiny ilay tendron-tsabatra ary nanarona izany ilay tavy, fa tsy nanatsoaka ilay sabatra tamin'ny kibony i Ehoda. 23 Avy eo dia nivoaka teo an-davarangana i Ehoda ary nanakatona ireo varavaran'ny efitra ambony ary nanidy izany. 24 Rehefa lasa i Ehoda, dia tonga ireo mpanompon'ny mpanjaka; hitan'izy ireo fa mihidy ireo varavaran'ny efitra ambony, ka nihevitra izy ireo hoe: "Azo antoka fa maka aina ao amin'ny mangatsiatsiaka ao amin'ny efitra ambony izy." 25 Nitombo ny ahiahin' izy ireo mandra-pahatsapan'izy ireo fa nanao tsinontsinona ny andraikiny izy ireo rehefa mbola tsy nanokatra ny varavarana tao amin'ny efitra ambony ilay mpanjaka. Ary nalain'izy ireo ny fanalahidy, dia novohainy ireo, ary nitsirara teo ny tompony, lavo tamin'ny tany, ary maty. 26 Raha teo am-piandrasana ireo mpanompo, dia nanontany tena ny amin'izay tokony hatao izy ireo, nandositra i Ehoda ka nanalavitra ilay toerana misy ireo sarin-javatra voasokitr'ireo sampy, ary noho izany dia nandositra tany Seïrata izy. 27 Rehefa tonga izy, dia nitsoka ny trompetra iray teo amin'ny tany havoan'i Efraima. Ka nidina niaraka taminy avy any amin'ny havoana ny vahoakan'Israely, ary izy no nitarika azy ireo. 28 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Manaraha ahy, fa efa handresy ireo fahavalonareo Yaveh, dia ireo Moabita." Nanaraka azy izy ireo ary nisambotra ireo fitàn'i Jordana fandalovan'ireo Moabita, ary tsy namela na iza na iza hiampita ny renirano izy ireo. 29 Tamin'izany fotoana izany dia namono lehilahy Moabita teo amin'ny iray alina teo izy ireo, ary lehilahy natanjaka sy mahavita azy izy rehetra. Tsy nisy afa-nandositra. 30 Ary tamin'izany andro izany Moaba dia resin'ny tanjak'Israely, ary nilamina nandritra ny valopolo taona ny tany. 31 Taorian'i Ehoda dia i Samgara zanaka lahin'i Anata izay namono olona 600 tamin'ireo Filistina tamin'ny hazo fanindromana biby fiompy no mpitsara manaraka. Nanafaka an'i Israely tamin'ny loza ihany koa izy.
Eto ny hoe "Ary" dia fanombohan'ny fizarana vaovaon'ny tantara.
Izany dia entina ilazana ireo vondrom-bahoaka izay tanisain'ny mpitantara ao amin'ny 3:3.
Azo adika tahaka izao izany. DH: "izay mbola tsy nandray anjara tamin'ireo ady tany Kanana"
Nalaina avy tamin'ny votoatin'ny tantara izany. Manome fampahafantarana fototra mikasika ny antony nandaozan'i Yaveh ireo vondron'olona sasany tany Kanana ny mpitantara. DH: "Nandao ireo firenena teo amin'ireo Israelita i Yaveh mba hampianatra ny fomba fiady ireo tovolahy izay mbola tsy niatrika ady taloha"
Ireo mpanjaka dimy ireo dia misolo tena ireo vahoaka. DH: "ny mpanjaka dimy sy ireo vahoakany"
Izany no tendrombohitra avo indrindra ao Israely.
Anaran-toerana any atsimon'ny sisin-tanin'i Kanana izany.
Azo adika ihany koa hoe. DH: "Nilaozan'i Yaveh tao Kanana ireo firenena ireo" na "Navelan'i Yaveh ipetraka tao Kanana ireo firenena ireo"
"tahaka izany"
Ny teny "izy ireo" dia manondro ireo vahoakan'Israely.
"Ireo didy nomen'i Yaveh"
Eto ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia midika izay fiheveran'Andriamanitra sy ny heritreriny amin'ny zavatra iray. Jereo ao amin'ny 2:11 ny fomba nadikanao izany.
Eto ny hoe "nanadino" dia fomba fiteny izay midika hoe: "nitsahatra tsy nankatò izy ireo."
Ny fahatezerana mafin'i Yaveh dia tahaka ny hoe zavatra arehitra toy ny afo. DH: " Tezitra mafy i Yaveh"
Ny famelana ny vahoakan'Israely ho resy dia resahina toy ny hoe namidin'i Yaveh tamin'i Kozana-risataima izy ireo. DH: "namela an'i Kozana-Risataima sy ny tafiny andresy azy ireo"
Eto ny hoe "am-pelatanana" dia sarinteny izay midika hoe hery na fifehezana. Ary koa, ny hoe "Kozana-risataima" dia fibangoan-teny izay ilazana ireo tafiny.
Anaran-dehilahy izany.
Anarana firenena izany.
Ny fanendren'i Yaveh olona hanao ny asa manokana dia resahina toy ny hoe nanandratra na nanangana olona i Yaveh.
Adikao tahaka nandikanao azy tao amin'ny 1:11 ireo anarana ireo.
Izany andian-teny izany dia midika hoe nanampy an'i Otniela hanana sy hampivelatra ny hatsarana izay ilainy mba hahatonga azy ho mpitarika lehibe i Yaveh.
Eto ny hoe "nitsara" dia midika hoe nitarika ny vahoakan'Israely izy.
Eto ny hoe "izy" dia manondro an'i Otniela izay nisolo tena ny tafik'Israely. DH: "Nandeha hiady amin'ireo tafik'i Kozana-Risataima i Otniela sy ireo miaramila Israelita"
Eto ny hoe "Kozana-Rasataima" dia ireo tafiny. DH: "Nanampy ireo tafik'Israely handresy ny tafik'i Kozana-Rasataima mpanjakan'i Arama i Yaveh"
Eto ny hoe "tanana" dia sarinteny izay midika hoe tafika. DH: "Ny tafik'i Otniela"
"Ny tany" dia nampiasaina mba ilazana ireo olona izay nipetraka tao amin'ilay tany"
"40 taona"
"teo imason'i Yaveh" eto dia midika izay fiheveran'Andriamanitra sy ny heritreriny amin'ny zavatra iray. Jereo ao amin'ny 2:11 ny fomba nandikanao izany.
Ny anarana hoe "hery" dia azo avadika ho mpamari-toetra. DH: "Nampatanjaka an'i Eglona mpanjakan'i Moaba i Yaveh"
"an'i Eglona mpanjakan'i Moaba" eto dia misolo tena ny tafiny. DH: "an'i Eglona mpanjakan'i Moaba sy ireo miaramilany raha nanafika an'ny tafika Israelita izy ireo"
Anarana mpanjaka izany.
Izany no anarana hafa niantsoana ny tanànan'i Jeriko. Jereo ao amin'ny 1:16 ny fomba nandikanao izany.
"18 taona"
Eto izany dia midika hoe mihiaka na miresaka amin'ny feo avo amin'ny olona avy eny lavitra. Afaka adika ihany koa hoe miantso vonjy amin'ny olona, indrindra fa amin'Andriamanitra.
Ny fanendren'i Yaveh olona hanao ny fanompoana manokana ho Azy dia resahina toy ny hoe nanandratra na nampijoro olona Izy.
Anaran'dehilahy ireo
Kinga kokoa i Ehoda amin'ny fitànana sabatra amin'ny tanana havia.
Raha ilaina ny mampiasa fandrefesana vaovao, dia indreto misy fomba roa handrefesana izany. D.H: "46 santimetatra" na "sahabo atsasa-metatra" (UDB)
"nafatony teo amin'ny feny an-kavanana tao amban'ny ankajony izany"
"ambonin'ny ranjo''
Eto ny hoe "Ary" dia nampiasaina ho mari-pihatoana ao amin'ny amin'ny votoatin'ny fizotrin'ny tantara. Eto ny mpitantara dia manambara ny fampahafantarana fototra mikasika an'i Eglona.
Azo adika tahaka izao ihany koa izany. DH: "rehefa tonga teo amin'ilay toerana teo akaikin'i Gilgala izay nanaovan'ny vahoaka sarin-javatra voasokitra izy"
Izany dia efitrano ambony rihana voalohany izay natao fakàna aina sy hampangatsiatsiaka mandritra ny andro mafana.
Ny fitsanganana dia famantarana fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra mba hiaino ny hafany.
"Nivoaka tao an-damosiny ilay tendron-tsabatra maranitra"
efitra voadidina rindrina kely eo ivelan'ny efitrano ary misarona tafo.
Izany dia fomba mihaja ilazana ny olona manao maloto (mangery) na mivalan-drano.
Niandry izy ireo hatramin'ny fotoana nampiahiahy azy ireo fa nisy zavatra nitranga ary andraikitr'izy ireo no mamoha ny varavaran'ny efitrano manokan'ny mpanjaka.
"nalain'izy ireo ny fanalahidy ary novohainy ireo varavana"
Izany dia milaza izay niseho talohan'ny nanokafan'ireo mpanompo ny varavaran'ny efitra ambony ka nahita ny mpanjaka efa maty. DH: "Raha mbola niandry tao ivelan'ny efitra ambony ireo mpanompo ... dia nandositra i Ehoda"
Anaran-tanàna izany.
Mazava kokoa izany raha atao hoe DH: "Rehefa tonga tany Seirata izy"
Miresaka amin'ny vahoakan'Israely ao Efraima i Ehoda.
Ny fanampian'i Yaveh an'ireo Israelita handresy ireo fahavalony dia resahina toy hoe mpiady niady i Yaveh ary nandresy ireo fahavalony.
"nahafehy ireo fitàna"
fitaovana mitsingevana napetraka eny ambony renirano mba hahafahana miampita eny ampita
"tsy namela olona hiampita"
10.000
"lehilahy afaka miatrik'ady tsara"
Azo adika ihany koa hoe DH: "Nandresy ireo Moabita ny tafik'ireo Israelita"
"tanjaka" eto dia ireo tafiky ny Israelita.
"tany" eto dia misolo tena ireo vahoaka. DH: "niaina am-pilaminana ireo Israelita"
80 taona
Nanendry mpitsara hitarika ny vahoakan'Israely tamin'ny andron'ny loza Andriamanitra taorian'ny nidiran'izy ireo tany amin'ny Tany Nampanantenaina sy talohan'ny nananan'izy ireo mpanjaka. Matetika ny mpitsara dia nanafika ireo Israelita tamin'ireo fahavalony.
Anaran-dehilahy izany
Anaran-dehilahy izany
"fitrobarana"
Ny teny hoe "loza" dia ilazana ireo fahavalo izay nitady hanao ratsy ny vahoakan'Israely. DH: "Nanafaka an'i Israely tamin'ireo fahavalony ihany koa izy."
1 Taorian'ny nahafatesan'i Ehoda, dia nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh indray ny vahoakan'Israely. 2 Namidin'i Yaveh teo an-tanan'i Jabina mpanjakan'i Kanana izay nanjaka tao Hazora izy ireo. Ny anaran'ny mpitari-tafiny dia i Sisera, ary nipetraka tao Harosetan'ireo Jentilisa izy. 3 Niantso vonjy mafy tamin'i Yaveh ny vahoakan'Israely, satria nanana kalesy vy sivinjato Sisera ary nampahory ny vahoakan'Israely tamin-kery nandritra ny roapolo taona izy. 4 Ary Debora, mpaminany vavy (vadin'i Lapidota), no nitarika ny fitsarana tao Israely tamin'izany fotoana izany. 5 Zatra nipetraka teo ambany rofian'i Debora anelanelan'i Rama sy Betela tao amin'ny tany havoanan'i Efraima izy, ary ny vahoakan'Israely nankany aminy mba hametraka ireo fifandiran'izy ireo taminy. 6 Naniraka an'i Baraka zanaka lahin'i Abinoama avy any Kadesy ao Naftaly izy. Hoy izy taminy: "Yaveh, ry Andriamanitr'Israely, mandidy anao hoe: 'Mandehana any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà lehilahy iray alina avy ao Naftaly sy Zebolona. 7 Hanatsoaka an'i Sisera, mpitari-tafik'i Jabina Aho, mba hihaona aminao eo amin'ny renirano Kisona, miaraka amin'ireo kalesiny sy ireo tafiny, ary hanome anao fandresena azy ireo Aho." 8 Hoy Baraka taminy: "Raha miaraka amiko ianao, dia handeha aho, nefa raha tsy miaraka amiko ianao, dia tsy handeha aho. 9 Hoy izy: "Hiaraka aminao tokoa aho. Na izany aza, ny lalana izay andehananareo dia tsy hitarika anareo any amin'ny voninahitrareo, fa hivarotra an'i Sisera eo an-tanan'ny vehivavy i Yaveh." Dia niakatra Debora ary niaraka tamin'i Baraka nankany Kadesy. 10 Niantso ireo lehilahin'i Zebolona sy Naftaly mba hiaraka ho any Kadesy i Baraka. Lehilahy iray alina no nanaraka azy, ary niaraka taminy i Debora. 11 Ary Hebera (ilay Kenita) nisaraka tamin'ireo Kenita_taranak'i Hobaba izy ireo (rafozan-dahin'i Mosesy) _ary nanorina ny lainy teo amin'ny terebinta tany Zananima akaikin'i Kadesy izy. 12 Rehefa nolazain'izy ireo tamin'i Sisera fa niakatra tany an-tendrombohitra Tabara i Baraka zanaka lahin'i Abinoama, 13 dia niantso mafy ireo kalesiny rehetra i Sisera, kalesy vy sivinjato, ary ireo miaramila rehetra izay niaraka taminy, hatreo Harosetan'ny Jentilisa ka hatrany amin'ny Renirano Kisona. 14 Hoy Debora tamin'i Baraka: "Mandehana! Fa ity no andro izay nanomezan'i Yaveh fandresena anareo eo amin'i Sisera. Moa ve tsy mitarika anareo i Yaveh?" Dia nidina avy teny an-tendrombohitra Tabara niaraka tamin'ireo lehilahy iray alina nanaraka azy i Baraka. 15 Nampifanjevon'i Yaveh ireo tafik'i Sisera, ireo kalesiny rehetra, ary ireo tafiny rehetra. Nanafika azy ireo ny lehilahin'i Baraka ka nidina tamin'ny kalesiny i Sisera ary nitsoaka an-tongotra. 16 Fa nenjehin'i Baraka hatrany Harosetan'ny Jentilisa ireo kalesy sy ny tafika, ary ny tafik'i Sisera manontolo dia novonoina tamin'ny lelan-tsabatra, ary tsy nisy niangana na dia lehilahy iray aza. 17 Nefa Sisera nandositra an-tongotra tany amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita, satria nihavana i Jabina mpanjakan'i Hazora, sy ny ankohonan'i Hebera Kenita. 18 Nivoaka hihaona amin'i Sisera i Jaela ary nanao taminy hoe: "Mivilia, ry tompoko, mivilia aty amiko ary aza matahotra." Dia nivily tany aminy izy ka niditra tao amin'ny lainy, ary norakofany tamin'ny bodofotsy izy. 19 Hoy izy taminy: "Mba omeo rano kely ho sotroina re aho, fa mangetaheta." Nanokatra kitapon-dronono hoditra izy ary nanome azy ho sotroina, avy eo dia norakofany indray izy. 20 Hoy izy taminy: "Mitsangàna eo am-baravaran'ny lay. Raha misy olona tonga ary manontany anao hoe: 'Misy olona ve ato?', dia teneno hoe: 'Tsia'." 21 Ary Jaela (vadin'i Hebera) naka tsatokan-day sy tantanana teny an-tanany ary niditra an-tsokosoko tao aminy, fa tao anaty torimaso lalina izy, ary nively ny tsatokan-day tamin'ny tantanana teo amin'ny faritry ny lohany izy ary nitsatoka taminy izany ka nirodana tamin'ny tany, dia maty izy. 22 Raha nanenjika an'i Sisera i Baraka, dia naniry ny hivoaka hihaona aminy i Jaela ary nanao taminy hoe: "Avia, hasehoko anao ny lehilahy tadiavinao." Dia niaraka niditra taminy izy, ary indro Sisera maty nitsirara, miaraka amin'ny tsatokan-day teo anilan'ny lohany. 23 Ka tamin'izany andro izany no nandresen'Andriamanitra an'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, teo anoloan'ny vahoakan'Israely. 24 Ny herin'ny vahoakan'Israely dia nihanatanjaka hatrany nanoloana ny mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringanan'izy ireo azy.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:15 izany anarana izany.
"teo imason'i Yaveh" eto dia midika izay fiheveran'Andriamanitra sy ny heritreriny amin'ny zavatra iray. Jereo ao amin'ny 2:11 ny fomba nandikanao izany.
"tanana" eto dia entina ilazana ny herin'i Jabina teo amin'i Israely. Ny fanapanakevitr'i Yaveh hanome hery an'i Jabina teo amin'izy ireo dia heverina toy ny hoe namidin'i Yaveh tamin'i Jabina izy ireo. DH: "Navelan'i Yaveh izy ireo ho resin'ny herin'ny Jabina mpanjakan'i Kanana"
Anaran-dehilahy ireo
Anaran-tanàna na toerana ireo
"kalesy vy 900"
"20 taona"
Izany teny izany eto dia mari-pihatoana ao amin'ny votoatin'ny tantara. Eto ny mpitantara dia milaza fampahafantarana fototra mikasika an'i Debora.
Anaram-behivavy izany
Anaran-dehilahy izany
Nanendry mpitsara hitarika ny vahoakan'Israely tamin'ny andron'ny loza Andriamanitra. Matetika ny mpitsara dia nanavotra ireo Israelita tamin'ireo fahavalony.
Nampitondraina ny anaran'i Debora izany rofia izany.
Manondro ny olona, ny tanàna, ny tendrombohitra, ary ny renirano amin'ny anaran'izy ireo ny mpanoratra ny Mpitsara.
Anaran-dehilahy ireo.
Anarana tendrombohitra izany.
"lehilahy 10.000"
Eto ny hoe "Aho" dia Andriamanitra.
Eto ny hoe "Sisera" dia misolo tena ny tafiny. DH: "Hanatsoaka an'i Sisera sy ny tafiny"
Mampiala ny olona amin'ny toerana azo antoka.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:1 ireo anarana ireo.
Anarana renirano izany.
Nifampiresaka tamin'i Debora i Baraka.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:6 izany anarana izany.
Ny safidy izay nataon'i Baraka dia resahina toy ny hoe nisafidy lalana haleha i Baraka. Ary ny hoe "voninahitra" dia resahina toy ny hoe tanjona izay diavin'olona. DH: "tsy hisy olona hanome voninahitra anareo ny amin'izay ataonareo"
"tanana" eto dia entina ilazana ny herin'ny vehivavy hamono azy. DH: "fa hahatonga ny vehivavy handresy an'i Sisera i Yaveh"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:1 izany anarana izany.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:4 izany anarana izany.
"lehilahy 10.000"
Ampiasaina ho mari-potoana ao amin'ny vontoatin'ny fizotry ny tantara izany teny izany eto. Eto ny mpitantara dia milaza ny fampahafantarana fototra mikasika an'i Hebera ilay Kenita.
Anaran-dehilahy ireo
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 1:16 izany anarana izany.
"rain'ny vadin'i Mosesy"
Anaran-tanàna izany
Eto ny hoe "izy ireo" dia tsy mamaritra olona manokana. DH: "Rehefa nolazain'ny olona tamin'i Sisera"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:1 izany anarana izany.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:6 ireo anarana ireo.
"kalesy" eto dia ireo miaramilany izay nitaingina ireo kalesy.
"kalesy vy 900"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:1 izany.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:1 izany.
Satria azon'i Debora antoka ny fandresena, ny firesany dia tahaka ny hoe efa nandresy tamin'ny ady sahady i Baraka. DH: "Hanome fandresena anareo i Yaveh"
Nametraka izany fanontaniana izany i Debora mba hampatsiahy an'i Baraka fa miady eo anilan'i Yaeh izy ireo. DH: "Tsarovy, fa mitarika anareo i Yaveh."
"niaraka tamin'ireo lehilahy 10.000"
"Nataon'i Yaveh izay tsy ahafahan'i Sisera mihevitra mazava" na "Nakorontan'i Yaveh ny sain'ny tafik'i Sisera"
"kalesy" eto dia ireo miaramila mitaingina kalesy.
Eto ny hoe "Baraka" dia ireo tafika. DH: "nanenjehin'i Baraka sy ireo miaramilany"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:1 izany.
"sabatra" eto dia ireo sabatra sy fitaovam-piadiana hafa izay fampiazan'ireo miaramila amin'ny ady. Azo adika ihany koa hoe DH: "Novoin'i Baraka sy ireo miaramilany tamin'ny sabatr'izy ireo ny tafik'i Sisera manontolo"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:1 ireo anarana ireo.
Izany dia fomba fiteny izay midika hoe aleony nandeha an-tongotra toy izay nitaingin-tsoavaly na kalesy.
Anaram-behivavy izany.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:1 izany.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 1:16 izany.
Eto ny hoe "ankohonana" dia midika hoe fianakaviana. DH: "ny fianakavian'i Hebera ilay Kenita"
Izany dia midika hoe miova lalana mandritra ny dia mba hahafahana maka aina. DH: "Avia aty"
lamba lehibe fandrakofana ny vatana rehefa matory, vita amin'ny volon'ondry na hodi-biby.
"Hoy i Sisera tamin'i Jaela"
zavatra matsokotsoko vita amin'ny hazo na vy, tahaka ny fantsika, izay atsatoka amin'ny tany mba hihazona ny zoron'ny lay.
fitaovana mavesatra vita amin'ny hazo hanatsatohana ny tsatokan-day amin'ny tany.
tahaka ny olona iray ao anaty lavaka lalina tsy afaka mivoaka, olona iray ao anaty torimaso lalina izay tsy tafafoha mora foana.
"nandavaka"
"nihaza i Baraka" na "nanaraka i Baraka"
Ny fandresen'Israely an'i Jabina sy ireo tafiny izay nataon'i Yaveh dia resahina toy ny hoe Andriamanitra tenany mihitsy no nandresy an'i Jabina fa ny vahoakan'Israely mijery.
"Ny herin'ny miaramila"
Eto ny hoe "azy" dia manondro an'i Jabina izay nisolo tena ny tafiny. DH: "naringan'izy ireo i Jabina sy ny tafiny"
1 Tamin'izany andro izany Debora sy Baraka zanak'i Abinoama dia nihira ity hira ity: 2 "Rehefa mitarika ireo mpitarika ao Israely, rehefa manolo-tena am-pifaliana ho amin'ny ady ny vahoaka_ dia midera an'i Yaveh isika! 3 Mihainoa, ianareo mpanjaka! Mifantoha, ianareo mpitarika! Izaho, izaho dia hihira ho an'i Yaveh; hihira fiderana ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely aho. 4 Yaveh, rehefa nivoaka avy tany Seira Ianao, rehefa nandeha avy tany Edoma anao, dia nihorohoro ny tany, ary nihovitrovitra koa ny lanitra; ary ny rahona nandatsaka rano ihany koa. 5 Nihovitrovitra teo anatrehan'ny tavan'i Yaveh ny tendrombohitra; eny na ny Tendrombohitra Sinay aza dia nihovitrovitra teo anatrehan'ny tavan'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. 6 Tamin'ny andron'i Samgara (zanaka lahin'i Anata), tamin'ny andron'i Jaela, nilaozana ireo lalam-be, ary ireo izay nandeha ihany no nampiasa ireo sakeli-dalana miolakolaka. 7 Vitsy ny mpiady tany Israely, mandra-panapahako, izaho Debora— ilay reny nanapaka tao Israely! 8 Fony izy ireo nisafidy ireo andriamanitra vaovao, dia nisy ady teo amin'ny vavahadin'ny tanàna kanefa tsy nisy ampinga na lefona hita teo amin'ireo olona efatra alina tao Israely. 9 Ny foko mankasitraka ny mpanapaka ny Israely, miaraka amin'ireo vahoaka izay nanolo-tena am-pifaliana—isaorantsika Yaveh noho izy ireo! 10 Eritrereto izao—ianareo izay mitaingina ampondra fotsy mipetraka eo amin'ny lamba ho solon'ny lasely, ary ianareo izay mandeha amin'ny lalana. 11 Henoy ny feon'ireo izay mihira eo amin'ny tany fanondrahana. Any no ilazan'izy ireo indray ny fahamarinan'ny asan'i Yaveh, sy ny fahitsian'ny asan'ireo mpiadiny tany Israely. Avy eo dia nidina teo amin'ny vavahadin'ny tanàna ireo vahoakan'i Yaveh. 12 Mifohaza, mifohaza, ry Debora! Mifohaza, mifohaza, mihirà fihirana! Mitsangàna, ry Baraka, ento ny voafonjanao, ianao ry zanaka lahin'i Abinoama. 13 Avy eo dia nidina teo amin'ireo olo-manan-kaja ireo sisa velona; nidina nankeo amiko niaraka tamin'ireo mpiady ny vahoakan'i Yaveh. 14 Avy tany Efraima izy ireo, ny fototr'izy ireo dia any Amaleka; nanaraka anareo ireo vahoakan'i Benjamina. Nidina avy any Makira ireo mpifehy, ary avy any Zebolona ireo izay mitondra ny tehin'ny manam-boninahitra. 15 Niaraka tamin'i Debora ireo andriako tao Isakara; ary Isakara niaraka tamin'i Baraka nikoropaka nanaraka azy tany an-dohasaha izay teo ambany fifehezany. Tao amin'ireo fokon'i Robena dia nisy fikasan'ny fo lehibe. 16 Nahoana ianao no mipetraka eo afovoan'ny vala, mihaino ireo mpiandry ondry mitsoka ny sodiny ho an'ireo ondry aman'osiny? Raha ny amin'ny fokon'i Robena dia nisy fikasan'ny fo lehibe. 17 Nijanona tany an-dafin'i Jordana i Gileada; ary Dana, nahoana izy no nivenjivenjy teny ambony sambo? Nijanona teny amoron-dranomasina i Asera ary nitoetra teny akaikin'ny seranan-tsambo. 18 Zebolona dia foko nanao vy very ny ainy hatramin'ny fahafatesana, ary Naftaly, ihany koa, dia teo amin'ny sahan'ady. 19 Tonga ireo mpanjaka, niady izy ireo; niady tany Tanaka teo amoron'ny ranon'i Megido ireo mpanjakan'i Kanana. Nefa tsy naka volafotsy ho robaina izy ireo. 20 Avy eny amin'ny lanitra no niadin'ireo kintana, avy eny amin'ny lalan'izy ireo manerana ny lanitra no niadian'izy ireo tamin'i Sisera. 21 Nifaoka azy ireo ny Renirano Kisona, ilay renirano fahagola, ilay Renirano Kisona. Mandrosoa hatrany ry fanahiko, matanjaha! 22 Ary dia nikatrokatroka ny kitron'ny soavaly—mihazakazaka, dia ny fihazakazak'ireo maheriny. 23 'Ozony Meroza!' hoy ny anjelin'i Yaveh. 'Ozony dia ozony ny mponina ao aminy! — satria izy ireo tsy tonga mba hanampy an'i Yaveh— hanampy an'i Yaveh amin'ny ady hanohitra ireo mpiady mahery.' 24 Voatahy mihoatra noho ireo vehivavy rehetra i Jaela, Jaela (ilay vadin'i Hebera Kenita), voatahy mihoatra noho ny vehivavy rehetra izay mitoetra ao an-day izy. 25 Rano no nangatahin-dralehilahy, ary ronono no nomeny azy; nitondrany dibera teo an-dovia natokana ho an'ny andriana izy. 26 Napetrany teo amin'ny tsatokan-day ny tanany, ary ny tanany havanana tamin'ny tantanan'ny mpiasa; dia namely an'i Sisera tamin'ilay tantanana izy, notorotoroany ny lohany. Raha nandefona ny firifany izy dia nopotipotehiny ho torotoro ny karan-dohany. 27 Lavo teo anelanelan'ny tongony izy, nianjera izy ary nidaraboka teo. Teo anelanelan'ny tongony izy no nitsirara. Teo amin'ny toerana namonoana azy tamin-kerisetra no nahalavo azy. 28 Nitazana teo ambaravarankely izy— nitazana teo amin'ny makarakaran'ny varavarankely ny renin'i Sisera ary niantso mafy tamin'ny alahelo hoe: 'Nahoana no ela loatra vao tonga ny kalesiny? Nahoana ny kitron'ny sovaliny izay mitarika ny kalesiny no mitaredretra?' 29 Namaly ny hendry indrindra tamin'ny andriambaviny, ary izy tenany ihany no namaly azy hoe: 30 "Tsy efa nahita sy nizara ny babo ve izy ireo? Vehivavy iray, na vehivavy roa ho an'ny isan-dahy; fandrobana lamba mena ho an'i Sisera, fandrobana lamba mena misy peta-kofehy, lamba mena roa misy peta-kofehy ho eo am-bozon'ireo nandroba?' 31 Ho ringana anie ny fahavalonao rehetra, ry Yaveh! Fa ireo namanao kosa dia ho toy ny masoandro rehefa miposaka amin'ny heriny." Dia nandry nandritra ny efapolo taona ny tany.
Ny dika fenon'izany andian-teny izany dia azo azavaina tahaka izao. DH: "Tamin'ny andro nandresen'ireo Israelita ny tafik'i Jabina Mpanjaka"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:4
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:6 ireo anarana ireo.
"rehefa manaiky hiatrika ady ireo lehilahy"
Ny hiran'i Debora sy Baraka dia ravahin'ny hay kanto.
Ny firesak'i Debora sy Baraka amin'ireo mpanjaka sy mpitarika tahaka ny mihaino hira izy ireo.
Ilazana ireo mpanjaka sy mpitarika amin'ny ankapobeny izany, fa tsy mamaritra mpanjaka na mpitarika manokana akory.
Izany dia ilazana ny fotoana izay nandaozan'ireo Israelita an'i Edoma mba handresy ny vahoaka any Kanana. Ny fanomezan'i Yaveh hery ny vahoakany mba handresena ny vahoakan'i Kanana dia resahina toy ny hoe Izy no mpiady mitarika ny tafik'i Israely.
Seira dia tendrombohitra any amin'ny sisin-tanin'Israely sy Edoma.
Ny mety ho dikany dia 1) Izany dia asa soratra manasongadina ny herin'i Yaveh amin'ny famaritana azy ho tahaka horohoron-tany sy tafiotra na 2) Ny tahotry ny vahoakan'i Kanana raha ho avy hanafika azy ireo ny Israelita dia resahina toy ny hoe nihovitrovitra ny tany sy ny lanitra.
Mampiseho hay kanto ny hiran'i Debora sy Baraka.
Izany dia mety azo lazaina ihany koa hoe horohorontany ary azo eritreretina fa nihovitrovitra ny tendrombohitra satria natahotra an'i Yaveh ireo. DH: "Nihorohon'ny tahotra ny tendrombohitra"
"tava" eto dia entina ilazana ny fanatrehan'i Yaveh. DH: "teo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
Tamin'i Mosesy sy Israely tao amin'ny Tendrombohitra Sinay, dia nihovitrovitra izany. DH: "Fahiny ela be, eny na dia ny Tendrombohitra Sinay aza dia nihovitrovitra"
Eto ny hoe "andro" dia midika fotoana lava be. DH: "Nandritra ny andro niainan'i"
Anaran'olona ireo. Jereo ny fomba nandikanao ny teny "Samgara" sy "Anata" ao amin'ny 3:31 ary "Jaela" ao amin'ny 4:17.
Notonina ny rain'i Samgara mba ahafantarana an'i Samgara sy ny fahavelomany.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany mba hampazava ny antony nandaozan'izy ireo ireo lalam-be. DH: "Tsy nampiasa ireo lalam-be intsony ny vahoaka; satria natahotra ireo fahavalon'Israely izy ireo"
Izany dia entina ilazana ireo lalan-kely izay fandehanan'ny olona sasany.
Miresaka ny fitondran'i Debora tahaka ny hoe renin'Israely izany. DH: "Niahy an'ireo Israelita tahaka ny fiahian'ny reniny ny zanany aho"
Ny dika fenon'izany andian-teny izany dia azo atao mazava hoe DH: "nidera andriamanitra vaovao ny vahoakan'Israely"
Eto ny hoe "vavahady" dia midika hoe ny tanàna manontolo. Ny dika fenon'izany andian-teny izany dia azo atao mazava hoe DH: "nanafika ny vahoaka tao amin'ireo tanàna Israelita ireo fahavalo"
Izany andian-teny izany dia azo antoka fa fanitaran-kevitra ilazana fa vitsy ny fitaovam-piadiana nanan'ireo Israelita. DH: "fitaovam-piadiana vitsy no tavela tao Israely"
"40.000 tao Israely"
Eto ny teny hoe "fo" dia midika fihetsem-pon'olona iray. Ny andian-teny hoe "Ny foko mankasitraka ny" dia fomba ilazana fa nahatsapa fankasitrahana i Debora. DH: "Nankasitrahako ireo mpanapaka ny Israely"
Izany fifanoherana izany dia entina ilazana ireo mpanankarena sy mahantra. DH: "ianareo mpanankarena izay mitaingina ampondra fotsy ... ianareo mahantra izay mandeha amin'ny lalana"
Lamba atao lasely ao an-damosin'ny ampondra mba hahazoan'ny mpitaingina aina kokoa rehefa eo ambonin'izany.
Mbola mitohy ihany ny hiran'i Debora sy Baraka.
Eto ny hoe "feo" dia misilo tena ny vahoaka mihira. DH: "Henoy ireo"
Eto ny hoe "vavahady" dia ilay tanàna manontolo. DH: "niverina tany an-tanànan'izy ireo"
Ravahan'ny hay kanto hatrany ny hiran'i Debora sy Baraka.
Eto ny olona miteny dia na 1) ny vahoakan'Israely na 2) i Debora izay miresaka amin'ny tenany ihany na 3) ilay mpintatara nanoratra ilay hira.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:4 izany anarana izany.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:6 ireo anarana ireo.
Ny mpisolo tena tampisaka "ko" dia manondro an'i Debora.
Ny vahoakan'i Efraima monina ao amin'ny tany izay niavin'ireo taranak'i Amelika dia resahina toy ny hoe nambolena ireo vahoakan'i Efraima ary namaka teo amin'ny tany izy ireo. DH: "avy tany Efraima, ny tany izay nonenan'ireo taranak'i Amalika"
Eto ny hoe "anareo" dia ilazana ny vahoakan'i Efraima. Azo adika ihany koa hoe DH: "nanaraka azy ireo"
Toeram-ponenan'ireo taranak'i Makira izany. Makira dia zanaka lahin'i Manase ary zafikelin'i Josefa.
Fantatra amin'ny tehina entiny ireo miaramila mpitarika, famantarana ny fahefan'izy ireo izany. DH: "miaramila mpitarika avy any Zebolona"
Eto ny mpisolo tena tampisaka "ko'' dia entina ilazana an'i Debora. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa io fehezanteny io. DH: "Niaraka tamiko ireo andriako tao Isakara"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:4 izany anarana izany.
"Isakara" eto dia entina ilazana ny fokon'i Isakara. DH: "niaraka tamin'i Baraka ny fokon"i Isakara"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:6 izany anarana izany.
"nankato ny baikony ary nikoropaka nanaraka tany an-dohasaha"
"nanaraka faingana"
Eto ny hoe "fo" dia midika hoe eritreritra. Miady hevitra ny olona nefa tsy mahavita manapa-kevitra ny amin'izay tokony hataon'izy ireo, tahaka ny hoe mitady ny fony izy ireo. DH: "nisy ady hevitra lehibe ny amin'izay tokony hataon'izy ireo"
Napetraka izany fanontaniana izany mba hitsikerana ny vahoakan'i Robena satria tsy nanapa-kevitra andeha any amin'ny ady izy ireo. Azo adika amin'ny endriny hafa ihany koa io fehezanteny io. DH: "Tokony nanampy anay amin'ny ady ianareo, fa tsy mijanona ato an-trano sy mihaino ireo mpiandry ondry mitsoka ny sodiny ho an'ireo osy aman'ondriny"
Ny dikan-teny sasany ao amin'ny Baiboly dia misy hoe "tranon'omby."
Eto ny hoe "fo" dia midika hoe eritreritra. Miady hevitra ny olona nefa tsy mahavita manapa-kevitra ny amin'izay tokony hataon'izy ireo, tahaka ny hoe mitady ny fony izy ireo. Jereo ao amin'ny 5:15 ny fomba nandikanao izany.
Eto ny hoe "Gileada" dia ireo lehilahy avy any Gileada izay tokony niatrik'ady. DH: "Nijanona ireo lehilahin'i Gileada"
Izany dia entina ilazana ny ilany atsinanan'i Jordana.
Napetraka mba hanehoana fahatezerana io fanontaniana io satria tsy niady ho an'i Israely ny vahoakan'ny fokon'i Dana. DH: "ary tsy tokony nijanona teny ambonin'ny sambony ireo lehilahin'i Dana" na "ary tsy nanampy anay tamin'ny ady ny vahoakan'ny fokon'i Dana. Fa naleon'izy ireo nivenjivenjy tao anaty sambo teny ambony ranomasina."
Eto ny hoe "Dana" dia ireo lehilahy avy any Dana izay tokony nandeha niatrik'ady. DH: "ireo lehilahin'i Dana, nahoana izy ireo"
Nipetraka teny akaikin'ny ranomasina Mediteraneana ny fokon'i Dana. Miandriaka eny an-dranomasina izy ireo mba ahazoany vola amin'ny varotra sy ny jono.
Azo azavaina ny dika fenon'izany fehezanteny izany. DH: "Tsy nahavita nanampy anay ny vahoakan'ny fokon'i Asera, nijanona teny amoron-tsiraka akaikin'ny seranan-tsambony izy ireo"
Eto ny hoe "Asera" dia ireo lehilahy izay tokony nadeha niatrik'ady. DH: "Nijanona ireo lehilahin'i Asera"
toerana lalina fitobian'ny sambo eny amoron-dranomasina.
Azo azavaina misimisy kokoa izany DH: "Naftaly ihany koa dia foko nanao vy very ny ainy hatramin'ny fahafatesana"
Nentina ilazana ny tafika izay baikony ny hoe mpanjakan'ny vondron'olona. D.H: "Tonga ireo mpanjaka sy ny tafiny ary niady ... niady ireo mpanjakan'i Kanana sy ireo fahavalony"
DH: "niady taminay izy ireo ... niady taminay"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 1:27 ny anaran'ireo toerana ireo.
Eto ny hoe "volafotsy'' dia izay zava-tsarobidy amin'ny ankapobeny. DH: "tsy naka volafotsy na zava-tsarobidy hafa ho robaina"
zavatra alaina an-keriny, mazàna amin'ny ady na fangalarana.
Ny fanampian'i Yaveh an'Israely mba handresy an'i Sisera dia tahaka ny hoe ireo kintana mihitsy no niady tamin'i Sisera sy ny tafiny. Azo lazaina fa nampiasa loza voajanahary i Yaveh, dia ny oram-baratra izany, mba handresena an'i Sisera.
Eto ny hoe "Sisera" dia ny tafiny manontolo.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:1 izany anarana izany.
Nohon'ny ora-mikija dia tondraka vetivety ny renirano ary nampiraikitra ireo kalesy tamin'ny fotaka ka nandifitra miaramila maro. DH: "Nandifotra sy nifaoka ireo miaramilan'i Sisera ny Renirano Kisona"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:6 izany anarana izany.
Eto ny hoe "fanahy" dia entina ilazana ny olona manontolo. Ny mpisolo tena tampisaka "ko" dia misolo tena an'i Debora. DH: "Niteny tamin'ny tenako aho handroso sy hatanjaka"
Manoritsoritra ny feon'ny soavaly mandositra ny ady. DH: "Ary reko ny feon'ny soavaly mandositra. Nandositra ny soavaly maherin'i Sisera"
mandeha mafy dia mafy
Eto ny hoe "Meroza" dia ireo vahoaka izay nipetraka tany. DH: "Ozony no vahoakan'i Meroza"
Anaran-tanàna izany.
ny vahoaka monina ao amin'ny toerana iray
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:17 izany anarana izany.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:11 izany anarana izany.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 1:16 izany anarana izany.
Eto ny hoe "dibera" dia ronona mivaingana. Izany no ronono tsara indrindra sy fisotron'ny vahoakan'i Jaela. DH: "nitondrany ronono mandry izy"
Izany andian-teny izany dia midika fa kalitao tsara indrindra ilay lovia satria ny andriana dia tolorana ny zavatra tsara indrindra.
"Namikitra tamin'ny tsatokan-day ny tanany havia"
Izany dia zavatra matsokotsoko vita amin'ny hazo na vy, tahaka ny fantsika, izay atsatoka amin'ny tany mba hihazona ny zoron'ny lay. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 4:21.
Azo adika tahaka tahak izao ihany ko. DH: "ary namikitra tamin'ny tantanana ny tanany havanana"
fitaovana mavesatra vita amin'ny hazo hanatsatohana ny tsatokan-day amin'ny tany. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 4:21
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:1 izany anarana izany.
tsy misy hery na tsy afa-mihetsika
Azo adika amin'ny endriny hafa ihany koa izany. DH: "novonoiny izy" na "maty izy"
Firafitry ny varavaran-kely vita amin'ny hazo mifampisadika izany.
Mitovy ihany ny hevitr'ireo fanontaniana roa ireo. Azo atambatra ho fehezanteny ireo fanontaniana ireo. DH: "Nahoana no ela loatra vao tonga i Sisera"
Sisera eto no tiana ho lazaina. DH: "ela loatra vao tonga i Sisera? Nahoana izy no"
Ny hoe "andriamadikambavy" dia zanaka vavin'ny mpanjaka, fa azo adika ihany koa hoe vehivavy mpanolotsain'ny ankohonan'ny mpanjaka. DH: "vehivavy hendry indrindra"
"niteny izany tamin'ny tenany ihany izy"
Nampiasa izany fanontaniana izany ilay vehivavy mba hanasongadinana fa tena niseho tokoa izany. DH: "Nahazo babo be dia be izy ireo ka mila fotoana lava mba hizarana izany."
Nampiasa izany fanontaniana izany ilay vehivavy mba hanasongadinana fa tena niseho tokoa izany. DH: "Manana vehivavy iray, na vehivavy roa ho an'ny isan-dahy... ireo nandroba."
"lamba miloko" na "akanjo miloko"
"tsara zaitra"
Eto ny hoe "vozona" dia ireo miaramilan'i Sisera. DH: "ho an'ireo miaramila mandroba mba hiankanjo"
Te ho tahaka masoandro miposaka ny vahoakan'Israely satria tsy misy tafika firenena ahavita anakana ny fiposahan'ny masoandro.
Eto ny hoe "ny tany" dia ireo vahoakan'Israely. DH: "ary niaina tam-pilamina ny vahoakan'Israely"
''nandritra ny 40 taona''
1 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh ny vahoakan'Israely, ary natolony teo an-tanan'i Midiana nandritra ny fito taona izy ireo. 2 Nampahory ny Israely ny fahefan'i Midiana. Nohon'ny amin'ny Midiana, dia nanao fialofana ho azy ireo tao amin'ny zohy teny amin'ny havoana, tany an-dava-bato, ary tao amin'ny fiarovana mafy ny vahoakan'Israely. 3 Ary isaky ny namboly ireo vokany ny Israelita, dia nanafika azy ireo ny Midianita sy ny Amalekita ary ny olona avy any atsinanana. 4 Nametraka ny tafiny teo amin'ny tany izy ireo ary namotika ireo vokatra, teny amin'ny lalana rehetra mankany Gaza. Tsy namela sakafo ho an'ny Israely, na ondry, na biby fiompy, na ampondra izy ireo. 5 Isaky ny miakatra izy ireo sy ny biby fiompiny ary ny lainy, dia toy ny andiam-balala ny fiavin'izy ireo, ary tsy tambo isaina na ny olona na ireo ramevany. Nanafika ny tany mba hamotehana izany izy ireo. 6 Tena nampaosa an'ireo Israelita tokoa ny Midiana hany ka niantso mafy an'i Yaveh ny vahoakan'Israely. 7 Rehefa niantso mafy an'i Yaveh ny vahoakan'Israely nohon'ny amin'i Midiana, dia nandefa mpaminany ho an'ny vahoakan'Israely i Yaveh. Hoy ny mpaminany tamin'izy ireo hoe: 8 "Izao no lazain'i Yaveh, Andriamanitr'Israely: 'Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho; nitondra anareo nivoaka avy tao amin'ny trano fanandevozana Aho. 9 Namonjy anareo teo amin'ny tanan'ny Egyptiana, sy teo amin'ny tanan'ireo rehetra izay nampahory anareo Aho. Nandroaka azy ireny teo anoloanareo, sy nanome ny taniny ho anareo Aho. 10 Hoy Izaho taminareo hoe: "Izaho no Yaveh Andriamanitrareo; nandidy anareo tsy hanompo ny andriamanitry ny Amorita, any amin'ny tany honenanareo Aho." Nefa tsy nankatò ny feoko ianareo.'" 11 Ary tonga ny anjelin'i Yaveh ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta tao Ofra, izay an'i Joasy (ilay Abiezrita), raha nanasaraka ny vary tamin'ny fivelezana izany tamin'ny tany, teo amin'ny famiazana divay i Gideona, zanak'i Joasy_mba hanafenana izany amin'ireo Midianita. 12 Niseho taminy ilay anjelin'i Yaveh ka niteny taminy hoe: "Momba anao i Yaveh, ry mpiady mahery!'" 13 Hoy Gideona taminy: "Indrisy, ry tompoko, raha momba anay i Yaveh, nahoana no mitranga aminay izao rehetra izao? Aiza ireo asa mahagaga izay nolazain'ny razanay taminay, tamin'izy ireo niteny hoe: "Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta ve i Yaveh?' Nefa ankehitriny dia efa nahafoy anay ka nanolotra anay teo an-tanan'i Midiana i Yaveh." 14 Nijery azy Yaveh ka niteny hoe: "Mandehana amin'izao hery efa hanananao izao. Afaho eo an-tanan'i Midiana i Israely. Tsy efa naniraka anao ve Aho?" 15 Hoy Gideona taminy: "Ahoana re ry Tompo no hamonjeko an'Israely? Indro, ny fianakaviako no marefo indrindra ao amin'i Manase, ary izaho no farany tsy manan-danja indrindra ao an-tranon'ny raiko." 16 Hoy Yaveh taminy: "Homba anao Aho, ary handresy ny tafiky ny Midianita manontolo tahaka ny olona iray ianao." 17 Hoy Gideona taminy, raha mahita fitia aminao aho, dia omeo famantarana aho fa ianao tokoa no miteny amiko. 18 Aza miala eto re, mandra-piaviko eto aminao hitondra ny fanomezana ary hametraka izany eo anoloanao." Hoy i Yaveh: "Hiandry Aho mandra-piverinao." 19 Ary lasa i Gideona ka nanomana zanak'osy ary avy tamin'ny lafarinina eran'ny efaha no nanaovany mofo tsy misy masirasira. Nataony tao anaty harona ny hena, ary nataony tao anaty vilany ny rony dia nentiny teo aminy teo ambanin'ny hazo terebinta, ary nasehony azy ireo. 20 Hoy ny anjelin'Andriamamanitra taminy: "Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira ka apetraho eo ambonin'ity vatolampy ity ireo, ary araraho ho eo amin'ireo ny rony." Dia izany no nataon'i Gideona. 21 Ary ny anjelin'i Yaveh naninjitra ny tendron'ny tehina tamin'ny tanany. Tamin'izany no nikasihany ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; nisy afo niakatra avy tao amin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Avy eo dia lasa ny anjelin'i Yaveh ka tsy nahita azy intsony i Gideona. 22 Ary Gideona nahafantatra fa anjelin'i Yaveh izy. Hoy Gideona hoe: "Oh, ry Yaveh Andriamanitra! Fa nifanatri-tava tamin'ny anjelin'i Yaveh aho!" 23 Hoy Yaveh taminy: "Fiadanana anie ho anao! Aza matahotra, fa tsy ho faty ianao." 24 Ary nanorina alitara ho an'i Yaveh teo i Gideona. Nantsoiny hoe: "Yaveh dia fiadanana" izany. Mandraka androany dia mbola mitsangana ao Ofran'ny fokon'i Abiezrita izany. 25 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Yaveh taminy: "Alaivo ny omby lahin-drainao, dia ny omby lahy faharoa izay efa fito taona, ravao ny alitaran'i Bala izay an'ny rainao, ary tapaho ny Aseraha izay eo anilan'izany. 26 Manangana alitara ho an'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'ny tampon'ity toerana fialofana ity, dia aoreno araka ny tokony ho izy izany. Atolory ho fanatitra dorana ny omby lahy faharoa, amin'ny fampiasana ny hazo avy amin'ny Aseraha izay nokapainao." 27 Ka dia naka folo tamin'ireo mpanompony i Gideona ary nanao araka izay nolazain'i Yaveh taminy. Ary satria natahotra loatra ny ankohonan-drainy sy ireo lehilahy tao an-tanàna ny hanao izany mandritra ny andro izy, dia nataony nandritra ny alina izany. 28 Nony maraina rehefa nifoha ny lehilahy tao an-tanàna, dia efa rava ny alitaran'i Bala, ary ny Aseraha teo anilany dia voakapa, ary ny omby lahy faharoa dia natao fanatitra teo amin'ny alitara izay vao naorina. 29 Ny lehilahy teo an-tanàna dia nifampiresaka hoe: "Iza no nanao izao?" Rehefa niresaka tamin'ny hafa izy ireo ka nikaroka izay valiny, dia hoy izy ireo: "Gideona zanak'i Joasy no nanao izao zavatra izao." 30 Ary hoy ireo lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy hoe: "Avohay ny zanakao mba hovonoina ho faty, satria noravany ny alitaran'i Bala, ary satria nokapainy ny Aseraha teo anilan'izany." 31 Hoy i Joasy tamin'ireo rehetra izay nanohitra azy hoe: "Hifona ny zava-misy ho an'i Bala ve ianareo? Hamonjy azy ve ianareo? Na iza na iza hifona ho azy, dia aoka izy ho vonoina ho faty raha mbola maraina koa. Raha andriamanitra i Bala, aoka izy hiaro ny tenany rehefa noravan'ny olona ny alitarany." 32 Ary tamin'izany andro izany i Gideona dia nantsoin'izy ireo hoe: "Jerobala," satria hoy izy hoe: "Aoka hiaro ny tenany i Bala." satria efa nandrava ny alitaran'i Bala i Gideona. 33 Ary ny Midianita sy ny Amalekita ary ny olona rehetra avy any atsinanana dia niara-nivory. Niampita an'i Jordana izy ireo ary nitoby teo amin'ny Lohasahan'i Jezirela. 34 Fa tonga tamin'i Gideona ny fanahin'i Yaveh. Nitsoka ny trompetra, niantso ny fianakaviam-ben'i Abiezrita i Gideona, mba hanarahan'izy ireo azy. 35 Nandefa iraka eran'i Manase manontolo izy, ary izy ireo koa, dia voahantso mba hanaraka azy. Nandefa iraka ho an'i Asera, Zebolona, ary Naftaly ihany koa izy, ary niakatra mba hihaona aminy izy ireo. 36 Hoy Gideona tamin'Andriamanitra: "Raha nihevitra ny hampiasa ahy hamonjy an'Israely Ianao, araka izay nolazainao_ 37 Indro, izaho mametraka ny volon'ondry eo amin'ny famoloana. Raha misy ando eo amin'ny volon'ondry, ka maina eo amin'ny tany rehetra, dia ho fantatro fa hampiasa ahy mba hamonjy an'Israely Ianao, araka izay nolazainao." 38 Toy izao no niseho_nifoha maraina be i Gideona ny ampitso, niara-nofihazany ny volon'ondry, ary nisy ando nivoaka tamin'ny volon'ondry, ampy nahafeno lovia iray ny rano. 39 Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra hoe: "Aza tezitra amiko, fa mbola hiteny indray mandeha aho. Avelao re aho mba hanandrana hampiasa indray mandeha ny volon'ondry. Ho maina ny volon'ondry amin'io fotoana io, ary aoka ho feno ando ny tany manodidina azy." 40 Nanao izay nangatahiny Andriamanitra tamin'izany alina izany. Ny volon'ondry dia maina, ary feno ando teo amin'ny tany rehetra nanodidina izany.
Eto ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia midika izay fiheveran'Yaveh sy ny heritreriny amin'ny zavatra iray. Jereo ao amin'ny 2:11 ny fomba nandikanao izany.
Eto ny hoe "Midiana" dia ny vahoakan'i Midiana. Ary ny hoe "tanana" dia midika hoe fifehezana. DH: "ny fifehezan'ny vahoakan'i Midiana" na "ny fifehezan'ireo Midianita"
Eto ny hoe "ny fahefan'i Midiana" dia entina ilazana ireo vahoakan'i Midiana. DH: "Nahery noho ny vahoakan'Israely ny vahoakan'i Midiana ka nampahory azy ireo"
toerana azo atao fialofana eny amin'ny harambato
"Nitoby ny tafika" na "Nametraka ny lainy ny tafika"
Atsinanan'ny tanin'Israely, akaikin'ny Ranomasina Mena ny tanin'i Midiana. Ny teny hoe "miakatra" dia fampiasa rehefa miresaka ny dia avy any Midiana mankany Israely. DH: "Isaky ny mitondra ireo biby fiompiny sy ny lainy mankany amin'ny tany Israely ny Midianita"
Ampitahaina amin'ny andiam-balala ireo Midianita satria tonga niaraka tamin'ny olona maro be sy biby fiompy mihinana izay zavatra rehetra maniry izy ireo.
Izany dia fanitaran-kevitra, na filaza-masaka maneho hamaron'izy ireo.
Eto ny hoe "Midiana" dia ireo vahoakan'i Midiana.
Fomba fiteny izany. DH: "niantso vonjy tamin'i Yaveh''
Fomba fiteny izany. DH: "niantso vonjy tamin'i Yaveh''
Eto ny hoe "Midiana" dia ireo vahoakan'i Midiana. DH: "noho ireo Midianita"
"Nitarika anareo nivoaka an'i Egypta Aho"
Manao an'i Egypta ho tahaka ny trano fihazonana andevo i Mosesy. DH: "Ny toerana izay naha andevo anareo"
Ny hevitry ny hoe "tanana'' ao amin'izany andian-teny izany dia hery na fahefana.
Eto ny hoe "ny feoko" dia izay nandidian'i Yaveh. DH: "nankatò ny didiko" na "nankatò Ahy"
Eto izany teny izany dia ampiasaina ho mari-pihatoana ao amin'ny fizotry ny tantara. Manomboka fizaranavaovao ny mpanoratra eto.
Ao amin'ny 6:11-24 dia niseho tamin'i Gideona tamin'ny endrika anjely i Yaveh. D.H: "Yaveh, izay niseho tahaka ny anjely;" na "Yaveh"
Anarana tanàn-dehibe izany.
Vondron'olona nampitondraina ny anaran'i Abiezera razamben'izy ireo izany.
Izany dingana izany dia antsoina hoe "fivelezana." Nively ny varim-bazaha tamin'ny tany i Gideona mba hanasarahina ny vary amin'ny tahony.
"nankany aminy"
Nampiasa ny teny hoe "tompoko" i Gideona ho fanajana ny olona vahiny rehefa miarahaba. Tsy fantany fa i Yaveh izay niendrika anjely na lehilahy no noresahiny.
Nametraka fanontaniana i Gideona mba hanoherany ny filazana fa nomba azy Yaveh.
Ny andian-teny hoe "nanolotra anay teo" dia midika fa navelan'i Yaveh ho resy ny Israelita. DH: "namela ny Midianita nandresy anay"
Eto ny hoe "tanana" dia midika hoe hery na fifehezana.
Eto ny hoe "Midiana" dia ireo vahoakan'i Midiana. DH: "ireo Midianita"
"Nijery an'i Gideona i Yaveh"
"tanana" eto dia midika hoe hery na fahefana.
"Midiana" eto dia ireo vahoakan'i Midiana. D.H: "ireo Midianita"
Nametraka fanontaniana i Yaveh mba hampatsiahy an'i Gideona fa naniraka azy Izy. "Naniraka" eto dia midika hoe nanendry an'i Gideona amin'ny asa manokana i Yaveh. DH: "Izaho, Yaveh, no maniraka anao"
Nataon'i Gideona hoe "Tompo" ilay olona fa tsy "tompoko" tahaka ny ao amin'ny 6:13. Eto dia fantapatatr'i Gideona fa miresaka amin'i Yaveh izy.
Nametraka fanontaniana i Gideona mba hanasongadinany fa tsy afaka mamonjy ny Israelita izy. DH: "Tsy ho vitako ny hamonjy ny Israelita!"
"mba hevero re" na "henoy"
"ao amin'ny fokon'i Manase"
"trano" eto dia midika hoe fianakaviana. DH: "ao amin'ny fianakavian'ny raiko" na "ao amin'ny ankohonako"
Eto ny hoe "homba anao" dia fomba fiteny izay midika fa hanampy sy hitahy an'i Gideona i Yaveh.
Afaka azavaina amin'y fomba hafa izany. DH: "ho mora tahaka ny miady amin'ny olona iray"
"hametraka izany eo alohanao"
Raha ilaina ny mampiasa famarana vaovao; dia ity misy fomba famarana mifandanja amin'izany: DH: "lafarinina 22 litatra"
ro avy amin'ny sakafo, toy ny hena nandrahoina.
"teo amin'ny anjelin'Andriamanitra ... ireo"
Anjelin'i Yaveh ihany izany. DH: "Andriamanitra, izay naka endrika anjely" na "Andriamanitra"
Ao amin'ny 6:11-24 dia niseho tamin'i Gideona tamin'ny endrika anjely i Yaveh. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 6:1.
"nanjavona"
Ao amin'ny 6:11-24 dia niseho tamin'i Gideona tamin'ny endrika anjely i Yaveh. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 6:1.
Ny teny hoe "Oh'' eto dia mampiseho fa natahotra mafy i Gideona.
Izany andian-teny izany dia entina ilazana olona roa mifankaiky. DH: "tena nahita ny anjelin'i Yaveh"
Niresaka tamin'i Gideona avy eny an-danitra i Yaveh.
Hatramin'ny fotoana nanoratana ny bokin'ny Mpitsara izany.
Adikao toy ny nandikanao azy ao amin'ny 6:11 ny anaran'izany tanàn-dehibe izany.
Adikao toy ny nandikanao azy ao amin'ny 6:11 ny anaran'izany vondron'olona izany.
Ny teny hoe "faharoa" dia laharan'isa avy amin'ny hoe "roa." DH: "omby lahy hafa"
"izay eo anilan'ny alitaran'i Bala"
Teny an-tampon'ny havoana ny tanànan'i Ofra. Tany ny fialofana nandosiran'ny Israelita ny Medianita.
"apetraho amin'ny filaharany tsara ireo vato" na "atsangano araka ny tokony ho izy izany"
Ny baikon'i Yaveh ao amin'ny 6:25 no tiana ambara eto.
"nifoha teo am-pandriana" na "niarina"
Azo adika tahaka izao ihany koa izany DH: "Tsikaritr'izy ireo fa nisy nandrava ny alitaran'i Bala, nisy nikapa ny Aseraha izay teo anilan'izany, ary nisy olona nanorina alitara sy nanao sorona omby lahy faharoa teo ambonin'izany"
Azo adika tahaka izao ihany koa izany DH: "Ho famaizana azy dia ho vonoinay izy"
Nametra-panontaniana i Josoa mba hanasongadinany fa ny olombelona dia tsy tokony hiaro andriamanitra. DH: "Tsy tokony hiaro an'i Bala ianareo.''
"miaro" na "miala tsiny"
Nametra-panontaniana i Josoa mba hanasongadinany fa ny olombelona dia tsy tokony hiaro andriamanitra. DH: "Tsy tokony hiaro an'i Bala ianareo.''
Anarana hafa iantsoana an'i Gideona izany. Ny dikany dia hoe "Avelao i Bala hamonjy ny tenany."
"satria hoy i Joasa hoe''
Eto izany teny izany dia ampiasaina ho mari-pihatoana ao amin'ny fizotry ny tantara. Manomboka mitantara fizarana vaovao ny mpanoratra eto.
Ny dika fenon'izany andian-teny izany dia azo atao tahak izao DH: "niara-nivory tahaka ny tafika"
Izany dia fomba fiteny. D.H: "nifehy an'i Gideona"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 6:11 ny anaran'izany vondron'olona izany.
Mazava eto fa "ady" no tiana ho resahina. DH: "mba hanarahan'izy ireo azy hiady"
Azo adika tahaka izao ihany koa izany DH: "nantsoina mba hanaraka azy izy ireo"
Ireo rehetra ireo dia misolo tena ny vahoakan'ny foko tsirairay. DH: "ho an'i fokon'i Asera, Zebolona, ary Naftaly"
akanjo volon'ondry
rano miforona eny amin'ny zava-maniry mandritra ny alina
Ny dika fenon'izany andian-teny izany dia azo adika tahaka izao DH: "ho famantarana avy aminao izany, dia ho fantatro fa ... Ianao"
"niala teo am-pandriana i Gideona"
manolana na mamehy zavatra mba hampiala ny rano
1 Dia nifoha maraina i Jerobala (Gideona izany), sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy, ary nitoby teo anilan'ny loharanon'i Haroda izy ireo. Ny tobin'ny Midiana dia tao avaratr'izy ireo tao an-dohasaha nanakaiky ny vohitr'i More. 2 Dia hoy Yaveh tamin'i Gideona hoe: "Maro loatra amiko ireo miaramila, mba hanomezako fandresena ho anao eo amin'ireo Midianita, mba tsy hireharehan'i Israely amiko, hanao hoe: 'Ny herinay no namonjy anay.' 3 Ary ankehitriny, ambarao eo an-tsofin'ny vahoaka ka lazao hoe: 'Na iza na iza matahotra, na iza na iza mangovitra, dia aoka izy hiverina ka hiala ao an-Tendrombohitra Gileada.'" Dia lasa ny olona roa arivo sy roa alina noho izany, ary ny iray alina kosa nijanona. 4 Dia hoy Yaveh tamin'i Gideona hoe: "Mbola maro loatra ihany ny olona. Ento midina eny amin'ny rano izy ireo, ary hahenako ho anao eny ny isan'izy ireo. Raha hoy Izaho aminao hoe: 'Ity iray ity no hiaraka aminao,' dia hiaraka aminao izy; fa raha hoy Izaho hoe: 'Ity iray ity tsy hiaraka aminao,' dia tsy hiaraka aminao izy." 5 Dia nentin'i Gideona nidina teny amin'ny rano ny olona, ary hoy Yaveh taminy hoe: "Atokano izay rehetra milelaka ny rano, toy ny filelaky ny alika, amin'ireo izay mandohalika ambany mba hisotro." 6 Lehilahy telonjato no nilelaka. Ny sisa tamin'ny lehilahy kosa nandohalika mba hisotro rano. 7 Dia hoy Yaveh tamin'i Gideona hoe: "Amin'ny alalan'ireo telonjato lahy izay nilelaka ny rano, no hanavotako anareo, sy hanomezako anareo ny fandresena eo amin'ireo Midianita. Aoka ny lehilahy hafa rehetra hiverina any an-tanànany avy." 8 Ka dia naka ireo vatsiny sy ireo trompetrany ireo izay voafidy. Nampodian'i Gideona ny lehilahin'Israely rehetra, ny lehilahy rehetra mba samy ho ao an-dainy, nefa nazoniny ireo telonjato lahy. Ary ny tobin'i Midiana dia tao ambaniny tao an-dohasaha. 9 Tamin'io alina io ihany dia hoy Yaveh taminy hoe: "Mifohaza! Tafio ny toby, fa homeko anao ny fandresena an'izany. 10 Fa raha matahotra ny hidina kosa ianao, dia midina ao an-toby miaraka amin'i Pora mpanomponao, 11 ary henoy izay lazain'izy ireo, dia hatanjaka ny herim-ponao amin'ny fanafihana ny toby." Ary dia nidina niaraka tamin'i Pora mpanompony, tao amin'ireo toerana fiambenana ny toby i Gideona. 12 Ny Midianita, ny Amalekita, sy ny olona rehetra avy any antsinana dia niara-nitoetra tao an-dohasaha, maro dia maro tahaka ny andiam-balala. Tsy tambo isaina ny ramevan'izy ireo; maro noho ny fasika eny amoron-dranomasina izy ireo. 13 Rehefa tonga tao i Gideona, dia nisy lehilahy iray nitantara nofy tamin'ny namany. Dia hoy ralehilahy hoe: "Indro! Nanofy aho, ary nahita mofo hordea boribory nikodiadia tao an-tobin'i Midiana. Dia tonga tao an-day izany, sady nandona azy mafy dia mafy ary nianjera ka nitsimbadika ambony ambany, ka dia fisaka." 14 Dia hoy ilay lehilahy iray hoe: "Tsinontsinona izany mihoatra ny sabatr'i Gideona (zanaka lahin'i Joasy), ilay Israelita. Efa nanome azy fandresena teo amin'ireo Midiana, sy ny miaramilany rehetra Andriamanitra." 15 Rehefa ren'i Gideona indray ny filazana ny nofy sy ny fandikana izany, dia niankohoka nivavaka izy. Dia niverina tao an-tobin'i Israely izy ka nanao hoe: "Mifohaza! efa nomen'i Yaveh anareo ny fandresena ny miaramila Midiana." 16 Dia nozarainy ho vondrona telo ny telonjato lahy, ary nomeny trompetra sy siny foana izy rehetra, miaraka amin'ireo fanilo anatin'ny siny tsirairay. 17 Dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mijere ahy ka ataovy izay ataoko. Jereo! rehefa tonga eo amin'ny sisin'ny toby aho, dia tsy maintsy hataonareo izay hataoko. 18 Rehefa mitsoka ny trompetra aho, dia izaho sy izay rehetra miaraka amiko, dia tsofy manodidina ny toby manontolo ihany koa ny trompetranareo ka mihikà hoe: 'Ho an'i Yaveh sy Gideona!'" 19 Dia tonga teo an-tsisin'ny toby i Gideona sy ny zato lahy izay niaraka taminy, tamin'ny fanombohan'ny antenantenan'ora indrindra. Raha teo am-panoloana mpiambina indrindra ireo Midianita, dia notsofin'izy ireo ny trompetra ary novakian'izy ireo ny siny izay teny an-tanan'izy ireo. 20 Notsofin'ireo vondrona telo ireo trompetra ary novakiany ireo siny. Notanan'izy ireo tamin'ny tanana ankavia ireo fanilo ary tamin'ny tanana ankavanana kosa ireo trompetra mba hitsofana izany. Dia nihiaka mafy izy ireo hoe: "Ny sabatr'i Yaveh sy i Gideona." 21 Nitsangana nanodidina ny toby tamin'ny fitoerany avy ny lehilahy rehetra ary nandositra ny miaramila Midiana rehetra. Dia niantsoantso izy ireo sady vaky nandositra. 22 Rehefa notsofin'izy ireo ny trompetra telonjato, dia nataon'i Yaveh nifamely tamin'ny sabatra ireo Midianita sy ny namany ary ny tafiny rehetra. Dia nandositra hatrany Beti-Sita hatrany Zereraha ny miaramila, hatrany amin'ny faritanin'i Abela-mehola, akaikin'i Tabata. 23 Nantsoina mafy ireo lehilahin'i Israely avy any Naftaly, Asera, ary Manase rehetra, ary nanenjika ny Midiana izy ireo. 24 Dia naniraka mpitondra hafatra nanerana ny tany havoanan'i Efraima rehetra Gideona, nanao hoe: "Mandehana midina hanohitra ny Midiana ka araho maso ny onin'i Jordana, hatrany Beti-bara, mba hampitsaharana azy ireo." Dia niara-nivory ny lehilahin'i Efraima rehetra ka nanara-maso ireo rano, hatrany Beti-bara sy ny Reniranon'i Jordana. 25 Voasambotr'izy ireo ny andrian'ny Midiana roa, Oreba sy Zeba. Novonoin'izy ireo tany amin'ny vatolampin'i Oreba i Oreba, ary novonoin'izy ireo tany amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba i Zeba. Dia nanenjika ny Midiana izy ireo, ary nentin'izy ireo teo amin'i Gideona ny lohan'i Oreba sy i Zeba, izay tany amin'ny lafiny iray hafan'i Jordana.
Anarana hafa fiantso an'i Gideona izany. Jereo ao amin'ny 6:31 ny fomba nandikanao ny anarany.
"Nametraka ny lainy izy ireo"
Anaran-toerana ireo.
Eto ny hoe "Midiana" diailazana ny tafika Midianita. DH: "Nametraka ny tobiny tao avaratry ny tafika Israelita ny Midianita"
Ny hoe "fandresena" dia anarana. D.H: "amiko ... mba hamelako anao handresy ireo Medianita"
Eto ny hoe "heri-" dia ilazana ireo vahoaka. DH: "Namonjy ny tenanay tsy nisy ny fanampian'i Yaveh izahay"
Ny dikan'izany akory tsy hoe "amin'izao fotoana izao,'' fa kosa mba hanomezan-danja izay ho lazaina manaraka.
Eto ny hoe ''-sofin(a)-" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "ambarao amin'ny vahoaka"
Mitovy ny hevitr'ireo andian-teny roa ireo.
Izany dia ilazana ny tahotra izay mahatonga ny olona iray hiovitrovitra. DH: "nihovitrovitry ny tahotra"
Azo atao mazava ihany koa ny toerana handehanany. DH: "aoka izy hiverina any an-tranony"
Anarana tendrombohitra any amin'ny faritr'i Gileada izany.
"22.000"
Mitovy ihany ny hevitry ny teny hoe "olona" sy "lehilahy." DH: "olona 10.000 kosa nijanona" na "lehilahy 10.000 kosa nijanona"
"10.000"
Eto ny hoe "isa'' dia ny misolo tena ny tafika. Azo adika mazava kokoa tahaka izao ny dika fenon'izany andian-teny izany: "ary any no hanehoako anao izay alefa mody mba hahavitsy ny tafika"
Ny teny hoe "nentina'' dia azo adikaihany koa hoe "nitondra" na "nitarika."
misotro rano amin'ny filelafana izany amin'ny lela.
"lehilahy 300"
"300 lahy"
Eto ny hoe "anareo" dia manondro an'i Gideona sy ny Israelita.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. D.H: "Ka dia ... ireo izay nofidian'i Yaveh"
Eto ny hoe "... -ny" dia manondro ireo miaramila Israelita izay nandao ny tafika.
Ampiasaina ho mari-pihatoana ao amin'ny fizotrin'ny tantara izany teny izany. Manomboka mitantara fizarana vaovao ny mpanoratra eto.
Eto ny hoe "toby" dia ilazana ny tafika Midianita manontolo. DH: "Tafiho ao amin'ny tobiny ireo Midianita, fa hanampy anareo handresy azy ireo Aho"
Azo azavaina amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "matahotra ny hidina hanafika''
Anaran-dehilahy izany.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "dia hampahery anao izay renao"
toerana manodidina ny tanàna izay fijoroan'ny miaramila itazanana ireo tafika fahavalo
Eto ny hoe "andiam-" dia midika hoe be dia be. Ny mpanoratra eto dia miresaka ny tafika toy ny hoe andiam-balala mba hanasongadinana ny hamaron'ireo miaramila.
Nampiasa filaza-masaka sy fanitarana ny mpanoratra mba hanasongadinana ny hamaron'ireo rameva.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Tsy voahisan'olona ny ramevan'izy ireo"
Eto ny hoe "sabatr'i Gideona" dia ilazana ny tafik'i Gideona izay manafika. DH: "Ny mofo vita amin'ny vary hordea ao amin'ny nofinao dia ny tafik'i Gideona"
Noresahina toy ny hoe efa lasa izany zavatra vao hitranga izany. Eto dia asongadina fa tena hitranga izany. DH: "Hanampy ny Israelita mba handresy ireo Midianita tokoa Andriamanitra"
"300 lahy"
Azo ampiana hoe "miady izahay''. DH: "Miady ho an'i Yaveh sy Gideona izahay!"
"100 lahy"
Ny fiatombohan'ny antenantenan'ora dia manodidina ny amin'ny folo ora alina.
Eto ny hoe "sabatra" dia entina ilazana ny adin'izy ireo. DH: "Miady ho an'i Yaveh sy Gideona izahay"
"trompetra 300"
Eto ny hoe "sabatra" dia ilazana ny fanafihan'ireo tamin'ny sabatra. DH: "Nataon'i Yaveh nifanandrina tamin'ny miaramila namany avy ireo lehilahy Medianita"
Anarana tanàn-dehibe sy tanàna ireo.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Nantsoin'i Gideona mafy ireo Israelita avy amin'ireo fokon'i Naftaly, Asera, ary Manase rehetra"
Anarana tanàn-dehibe izany.
"ka nanara-maso ny Renirano Jordana hatrany atsimon'ny Beti-bara''
Nampitondraina ny anaran'i Oreba sy Zeba ireo toerana ireo taorian'ny namonoan'ny Israelita azy ireo teo amin'ireo toerana ireo.
Anaran-dehilahy ireo.
1 Hoy ireo lehilahin'i Efraima tamin'i Gideona hoe: "Inona izao zavatra nataonao taminay izao? Tsy niantso anay ianao raha nandeha niady tamin'ny Midiana." Nifamaly mafy taminy izy ireo. 2 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Inona moa no vitako ankehitriny raha oharina aminareo? Moa ve ny fanangonam-boalobok'i Efraima tsy tsara kokoa mihoatra ny fiotazam-boalobok'i Abiezera? 3 Andriamanitra efa nanome fandresena anareo teo anatrehan'ireo andrian'ny Midiana__dia Oreba sy Zeba! Inona moa no vitako mihoatra izay vitanareo?" Nilefy ny fahatezeran'izy ireo taminy rehefa niteny izany izy. 4 Tonga teo amin'i Jordana i Gideona ary nita izany, izy sy ireo lehilahy telonjato izay niaraka taminy. Reraka loatra izy ireo, nefa dia mbola nanohy ny fanenjehana ihany. 5 Hoy izy tamin'ireo olona tao Sokota hoe: "Mba omeo mofo ireo olona manaraka ahy, satria reraka loatra izy ireo, ary izaho hanenjika an'i Zebaha sy Zalamona, mpanjakan'i Midiana. 6 Dia hoy ireo manam-pahefana hoe: "Moa ve eo am-pelatananao ny tanan'i Zebaha sy Zalmona ankehitriny? Nahoana no tokony hanome mofo ho an' ireo miaramilanao izahay? 7 Hoy Gideona hoe: "Rehefa omen'i Yaveh fandresena izahay manoloana an'i Zebaha sy Zalamona, dia ho triariko amin'ny tsilo avy any an'efitra sy raketa ny hoditrareo." 8 Niakatra avy tao izy mba ho any Penoela ary niteny tahaka izany tamin'ny olona tao ihany koa, fa ny olona tao Penoela namaly azy tahaka ireo famalin'ny olona tao Sokota. 9 Niteny tamin'ny olon'i Penoela ihany koa izy nanao hoe: "Rehefa tafaverina am-pilaminana indray aho, dia harodako ity tilikambo ity." 10 Ary niaraka tamin'ireo miaramilany tao Karkora i Zebaha sy Zalamona, tokony ho lehilahy dimy arivo sy iray alina eo, izay sisa rehetra tamin'ny tafikin'ny vahoaka antsinanana manontolo, satria nisy lehilahy 120. 000 lavo izay voaofana hiady amin'ny sabatra. 11 Niakatra ilay lalan'ny mpitoetra an-day i Gideona, nandalo tao Noha sy Jogbeha. Nandresy ireo tafika fahavalo izy, satria tsy nanampo ny fanafiana izy ireo. 12 Nandositra i Zebaha sy Zalmona, ary raha nanenjika azy ireo i Gideona, dia voasambony ireo mpanjaka roan'i Midiana—i Zebaha sy Zalmona—ary nampihorohorony ny tafik'izy ireo manontolo. 13 Gideona, zanaka lahin'i Joasy, dia niverina avy tany amin'ny ady ary nandalo teo lalan'i Heresa. 14 Nihaona tamina zatovolahy iray avy amin'ny mponina tao Sokota izy ary nitady torohevitra taminy. Nolazain'ilay tovolahy azy ny mombamomba ireo mpitariky ny Sokota sy ireo loholona tao, fito amby fitopolo lahy izy ireo. 15 Ary tonga tao amin'ireo lehilahin'i Sokota i Gideona ka nanao hoe: "Indreo Zebaha sy Zalmona, izay nanesoanareo ahy sy nilazanareo hoe: 'Efa nandresy an'i Zebaha sy Zalmona ve ianao? Tsy fantatray fa tokony hanome mofo an'ireo tafikao izahay.'" 16 Nalain'i Gideona ireo loholona tao amin'ilay tanàna, ary nofaiziny tamin'ireo tsilo avy tany an'efitra sy raketa ireo lehilahin'ny Sokota. 17 Avy eo dia narodany ny tilikambo tao Penoela ary novonoiny ny lehilahy tao amin'izany tanàna izany. 18 Dia hoy i Gideona tamin'i Zebaha sy Zalmona hoe: "Lehilahy tahaka ny ahoana no novonoinareo tao Tabara?" Namaly izy ireo hoe: "Tahaka anao ihany izy ireo. Ny tsirairay tamin'izy ireo dia toy ny zanaka mpanjaka avokoa." 19 Hoy Gideona hoe: "Rahalahiko izy ireo, zanaka lahin'ny reniko. Raha velona koa Yaveh, raha namonjy azy ireo ho velona ianareo, dia tsy namono anareo aho. 20 Hoy izy tamin'i Jatera (lahimatoany) hoe: "Mitsangàna ary vonoy izy ireo!" Fa ilay tovolahy tsy nanatsoaka ny sabatrany fa natahotra, satria mbola zazalahy kely izy. 21 Dia hoy Zebaha sy Zalmona hoe: "Mitsangana ianao ary vonoy izahay! Fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny." Nitsangana Gideona ary namono an'i Zehaba sy Zalmona. Nesoriny ihany koa ny ravaka sarim-bolan-tsinana izay teo am-bozon'ny ramevan'izy ireo. 22 Hoy ny lehilahin'Israely tamin'i Gideona hoe: "Manapaha anay—ianao, ny zanakao lahy, ary ny zafikelinao lahy— satria ianao no nanavotra anay teo amin'ny tanan'i Midiana." 23 Hoy Gideona tamin'izy ireo hoe: "Tsy hanapaka anareo aho, na ny zanako lahy koa aza dia tsy hanapaka anareo. Fa Yaveh no hanapaka anareo. 24 Nilaza tamin'izy ireo i Gideona hoe: "Aoka aho hanao fangatahana aminareo: dia ny hanomezanareo ahy ireo kavina avy norobainy." (Nanana kavina volamena ireo Medianita satria Isimaelita izy ireo.) 25 Namaly izy ireo hoe: "An-kafaliana no hanomezanay ireo anao." Namelatra lamba izy ireo ary samy nanipy ireo firavaka avy norobainy ny lehilahy rehetra. 26 Ny lanjan'ny kavim-bolamena izay nangatahiny dia sekely volamena 1. 700. Izany fandrobana izany dia niampy ny ravaka sarim-bolan-tsinana, ireo firavaka, ny akanjo volomparasy izay nanaovan'ireo mpanjakan'ny Midiana, ary niampy ny rojo izay nanodidina ny vozon'ny ramevan'izy ireo. 27 Nanamboatra efoda avy amin'ireo kavina i Gideona ary napetrany tao an-tanànany, tao Ofra izany, ary nampijangajanga ny tenany tamin'ny fanompoana izany teo ny Israely rehetra. Lasa fandrika ho an'i Gideona sy ho an'ireo izay tao an-tranony izany. 28 Ka dia resy teo anatrehan'ny vahoakan'Israely ireo Midiana ary tsy nanarina ny lohan'izy ireo intsony izy ireo. Ary nilamina nandritra ny efapolo taona ny tany tamin'ny andron'i Gideona. 29 Jerobala, zanaka lahin'i Joasy, nandeha ka nipetraka tao an-tranony. 30 Nanana zanaka fitopolo lahy izay taranany i Gideona, satria maro vady izy. 31 Ny vaditsindranony, izay tao Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ary Gideona nanome azy ny anarana hoe: Abimeleka. 32 Gideona, zanaka lahin'i Joasy, dia maty rehefa tratra antitra tsara ary nalevina tao Ofra tao amin'ny fasan'i Joasy rainy, fokon'ny Abiezrita. 33 Ary raha vao maty i Gideona, niverina indray ireo zanak'Israely ary nampijangajanga ny tenany tamin'ny fanompoana an'ireo Bala. Nataon'izy ireo ho andriamaniny i Bala-berita. 34 Ary ny vahoakan'Israely dia tsy nahatsiaro ny hanome voninahitra an'i Yaveh, Andriamanitr'izy ireo, izay nanavotra azy ireo teo amin'ny tanan'ireo fahavalo rehetra manodidina. 35 Tsy nitandrina ny fampanantenany tamin'ny tranon'i Jerobala (na Gideona) izy ireo, mba ho valin'ny soa rehetra nataony tamin'Israely.
Tamin'izany fanontaniana fampisainana izany no nitenenan'ny vahoakan'i Efraima mafy an'i Gideona ny amin'ny tsy nampidirany azy ireo tao amin'ny tafiny. Azo adika tahaka izao ihany koa izany. D.H: "Tsy rariny ny fomba nitondranao anay."
Eto ny hoe "Midiana" dia ireo tafika Midianita.
"Nifanditra taminy izy ireo" na "niteny azy tamim-pahatezerana izy ireo"
Namaly ireo lehilahy avy any Efraima i Gideona.
Nametraka io fanontaniana io Gideona mba hanomezana voninahitra ny vahoakan'i Efraima. DH: "Kely dia kely ny vitako raha oharina amin'izay vitanareo!" (UDB)
Nampitony ny vahoakan'i Efraima tamin'izany fanontainana fampisainana izany i Gideona. DH: "Azo antoka fa ny voaloboka voahangonareo vahoakan'i Efraima no tsara kokoa noho ny voahangonay taranak'i Abiezera tamin'ny fotoam'piotazana rehetra!"
Ny fandresen'i Gideona sy ny tafiny dia resahina toy ny hoe fotoam-piotazam-boaloboka. Ny namonoan'ny vahoakan'Israely an'i Oreba sy Zeba dia resahina toy ny hoe nanangona voaloboka izy ireo tamin'ny faran'ny fiotazana. DH: "Zava-dehibe kokoa izay nataonareo vahoakan'i Efraima tamin'ny faran'ny ady noho izay nataonay taranak'i Abiezera tamin'ny fiandohany."
Izany dia anaran'ny iray amin'ireo razamben'i Gideona. Nampiasa izany anarana izany i Gideona mba entina ilazana ireo taranak'i Abiezera sy ny tanin'izy ireo.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 7:24 ireo anarana ireo.
Nametraka io fanontaniana io Gideona mba hanomezana voninahitra ny vahoakan'i Efraima. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Izay nataonareo dia zava-dehibe kokoa mihoatra izay nataoko."
"nihena"
"ireo lehilahy 300"
Ny teny hoe "fanenjehana" dia azo atao matoanteny ihany koa. DH: "nanohy ny fihazana ireo fahavalony''
Anaran-dehilahy ireo.
Nametraka fanontaniana ireo mpitarika mba hanamafisana fa tsy mbola voasambotry ireo Israelita i Zebaha sy Zalamona. DH: "Mbola tsy voasambotrareo i Zebaha sy Zalamona."
Eto ny hoe "tanana" dia entina ilazana ny vatana manontolo.
Eto ny hoe "tanana" dia midika hoe fahefana na fifehezana.
Nametraka fanontaniana ireo mpitarika mba hanamafisana fa tsy misy antony tokony hanomezana mofo ho an'ny Israelita. DH: "Tsy hitanay ny antony tokony hanomezana mofo ny miaramilanao."
Azo adika mazava kokoa ny dika fenon'izany andian-teny izany. DH: "Hanamboatra karavasy amin'ny tsilo sy raketa avy any an'efitra aho ary hampiasaiko hivelesako sy hanapahako anareo izany"
Zavatra matsokotsoko amin'ny hazom-boaloboka na rantsana maranitra afaka manapaka olona na biby.
Eto ny hoe "izy" dia manondro an'i Gideona. Ireo miaramila nanaraka azy no tiana lazaina amin'izany. DH: "Niala teo izy ireo"
Anarana tanàna izany.
Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "ary nangataka sakafo tahaka izany tao ihany koa" na "ary nangataka sakafo tamin'izy ireo ihany koa izy"
Izany dia fomba fiteny mihaja ilazana fa ho resy ireo fahavalony. DH: "Rehefa resiko tanteraka ny tafika Midiana"
Eto ny mpisolo tena tampisaka "ko" dia manondro an'i Gideona sy ireo lehilahiny. DH: "Handrodana ity tikambo ity izaho sy ireo miaramilako"
Eto dia ampiasaina ho mari-pihatoana ao amin'ny fizotrin'ny tantara izany teny izany. Manomboka fizarana vaovao ny mpanoratra eto.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 8:4 ireo anarana ireo.
Anaran-tanàna izany.
"lehilahy 15.000''
Izany dia fomba fiteny mihaja ilazana ny olona maty an'ady. DH: "voavono" na "maty an'ady''
Ireo miaramila no tiana lazaina amin'izany. DH: "miaramila"
Eto ny hoe "sabatra" dia ireo sabatra sy fitaovam-piadiana hafa nampiasain'ny miaramila tamin'ny ady.
Eto ny hoe "Gideona" dia misolo tena ny miaramilany rehetra. DH: "Niakatra ... i Gideona sy ireo miaramilany"
Eto ny hoe "izy" dia manondro an'i Gideona izay entina ilazana ny miaramila rehetra ihany koa. DH: "Nandresy ... i Gideona sy ireo miaramilany"
Anarana tanàn-dehibe ireo.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 8:4 ireo anarana ireo.
tahotra mafy dia mafy izay mahatonga ny olona hikoratan-tsaina ka tsy mahavita izay tokony hataony.
Izany dia anarana lalana fandalovana eo anelanelana tendrombohitra roa.
Izany dia fomba fiteny. DH: "nifanena tamina lehilahy iray ... izy"
Azo adika mazava kokoa izay nangatahin'i Gideona tamin'ilay tovolahy. DH: "nanontaniany azy ny anaran'ireo mpitarika rehetra tao an-tanàna"
"77 lahy"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 8:4 ireo anarana ireo.
Nanonona ny vahoakan'i Sokota i Gideona tamin'ny nametraka izany fanontaniana izany. DH: "Mbola tsy nandresy an'i Zebaha sy Zalmona ianao."
"Gideona" eto dia ireo miaramilany. DH: "Nalain'i Gideona sy ireo miaramilany ... nofaizin'izy ireo ... narodan'izy ireo"
zavatra matsokotsoko amin'ny hazom-boaloboka na rantsana maranitra afaka manapaka olona na biby. Jereo ao amin'ny 8:6 ny fomba nandikanao izany.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 8:8 izany anaran-tanàna izany.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 8:4 ireo anarana ireo.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:6 izany anaran-tanàna izany.
"Mitovy aminao ihany izy ireo"
Izany fomba fiteny izany dia fianianana masina fampiasa mba hanamafisana fa marina izay lazainy. DH: "Mianiana aminao aho fa"
Anaran'ny zanakalahin'i Gideona izany.
Fomba fiteny izany. DH: "Asan-dehilahy izany"
Firavaka voatefy misy tendrony roa. Miseho ny endriny rehefa madiva ho saron'ny aloka ny volana.
"haingo"
Izany dia midika fa tian'izy ireo hanapaka eo amin'izy ireo i Gideona ahorian'ny ahafatesany. DH: "ianao sy ireo taranakao ahorian'ny ahafatesanao"
"tanana" eto dia midika hoe ny herin'i Midiana teo amin'Israely. DH: "teo amin'ny herin'i Midiana" na "teo amin'i Midiana"
"Midiana" eto dia midika hoe ny vahoakan'i Mediana. DH: "ireo Medianita"
"Nilaza tamin'ireo lehilahin'Israely i Gideona hoe"
firavaka atao amin'ny sofina
zavatra nangalarina tamin-kery na nalaina tamin'ny olona novonoina tany an'ady
Eto ny mpanoratra dia milaza ny fampahafantarana fototra mikasika ny Midianita.
Akanjo vita amin'ny lamba be velarana ary asalotra eo amin'ny soroka
Raha ilaina ny mampiasa fandanjana vaovao, dia ireto misy fomba roa anaovana izany. DH: "volamena 18.7 kilograma" na "volamena sahabo 20 kilograma"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 8:20 izany.
haingo mikiraviravy amin'ny rojo eo amin'ny tenda
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "izay ny mpanjakan'i Midiana no nanao izany"
"Nampiasa volamena avy amin'ireo kavina i Gideona mba hanamboarana efoda"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 6:11 ny anaran'izany tanàna izany.
Izany dia miresaka ny fanompoana andriamanitra tsy izy ho fijangajangana. DH: "Nanota tamin"i Yaveh tamin'ny fanompoana efoda teo ny Israelita"
"rehetra" eto dia fanitarana mba hanamafisana fa maro dia maro no nanompo ilay akanjo. DH: "maro dia maro ny vahoakan'Israely nanompo ilay akanjo"
Ny fakam-panahy izay nahazo an'i Gideona sy ny fianakaviany tamin'ny fanompoana efoda dia resahina toy ny hoe voasambotry ny fandriky ny mpihaza izy ireo. DH: "Lasa fakam-panahy ho an'i Gideona sy ny fianakaviany izany" na "Nanota tamin'ny fanompoana izany i Gideona sy ny fianakaviany"
Eto ny hoe "an-tranony'' dia ilazana ny fianakavian'i Gideona. DH: "ho an'ny fianakaviany"
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Ka dia noresen'i Yaveh teo anolohan'ny vahoakan'Israely ireo Midianita" na "Ka dia nampian'i Yaveh handresy ireo Midianita ireo Israelita"
Izany dia fomba fiteny. DH: "tsy nanafika an'Israely intsony izy ireo"
Eto ny hoe "tany" dia entina ilazana ny vahoakan'Israely. DH: "Ary niaina am-pilaminana ny Israelita"
"40 taona"
Eto ny hoe "ny andro" dia entina ilazana ny andro niainany. DH: "nandritra ny fiainan'i Gideona"
Anarana hafa fiantso an'i Gideona izany. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 6:31.
"zanaka 70 lahy"
Fomba fiteny izany. DH: "rehefa tena antitra izy"
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "nalevin'izy ireo izy"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 6:11 ny anaran'izany tanàna izany.
Adikao tahaka nandikanao azy ao amin'ny 6:11 ny anaran'izany tanàna izany.
Ampiasaina izany teny izany eto mba hanamarihana fa hanomboka fizarana vaovao mpanoratra
Ny fandavan'ny vahoaka an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe nampivily ny tenany taminy izy ireo. DH: "nitsahatra tsy nanompo an'i Yaveh izy ireo"
Izany dia miresaka ny fanompoana ireo andriamanitra tsy izy ho toy ny fijangajangana. DH: "Nanota tamin'i Yaveh tamin'ny fanompoana ireo Bala izy ireo"
Anarana andriamanitra tsy izy izany.
Eto ny hoe ''tanana'' dia midika hoe hery na fahefana. DH: "teo amin'ny herin'ireo fahavalony rehetra" na "teo amin'ireo fahavalony rehetra"
"izay nanodidina azy ireo''
"ny tranon'i" eto dia ilazana ireo fianakaviana. DH: "ny fianakavian'i Jerobala''
Anarana hafa fiantso an'i Gideona izany. Jereo ao amin'ny 6:31 ny fomba nandikanao izany.
1 Nankany amin'ny havan-dreniny tany Sekema i Abimeleka zanak'i Jerobala ary niteny tamin'izy ireo sy ny fianakaviam-ben'ny ankohonan-dreniny rehetra hoe: 2 "Mba lazao re izao, mba ho ren'ny mpitarika rehetra ao Sekema: 'Inona no mety kokoa aminareo: manana ny zanak'i Jerobala fitopolo lahy hanapaka eo aminareo, sa iray ihany no manapaka eo aminareo?' Tsarovy fa nofo sy rànareo aho." 3 Niresaka tamin'ireo mpitarik'i Sekema ho azy ireo havan-dreniny, ary nanaiky ny hanaraka an'i Abimeleka izy ireo, satria hoy izy ireo hoe: "Rahalahintsika izy." 4 Nomen'izy ireo volafotsy madinika fitopolo avy tao an-tranon'i Bala-berita izy, ary nampiasain'i Abimeleka hanakaramana ireo lehilahy mpandika lalàna sady sahisahy ratsy izay nanaraka azy izany. 5 Nankany an-tranon'ny rainy tany Ofra i Abimeleka, ary novonoiny teo ambonin'ny vato iray ireo rahalahiny fitopolo, dia ireo zanak'i Jerobala. Jotama no sisa tavela, dia ilay zanak'i Jerobala faralahy, satria niafina izy. 6 Niara-tonga ny mpitarik'i Sekema sy Beta-milo rehetra ka nandeha ary nanao an'i Abimeleka ho mpanjaka, teo anilan'ny hazo terebinta akaikin'ny andry izay any Sekema. 7 Rehefa nolazaina ny mikasika izany i Jotama, dia nandeha izy ary nitsangana teo an-tampon'ny Tendrombohitra Gerizima. Niantsoantso izy ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Henoy aho, ianareo mpitarik'i Sekema, mba hihainoan'Andriamanitra anareo. 8 Indray andro dia nivoaka ny hazo mba hanosotra mpanjaka iray ho eo amin'izy ireo. Satria hoy izy ireo tamin'ny hazon'oliva hoe: "Manjakà aminay.' 9 Nefa hoy ny hazon'oliva tamin'izy ireo: "Tokony hafoiko ve ny diloiloko, izay ampiasaina hanomezam-boninanahitra ireo andriamanitra sy ny olombelona, mba hahafahako mandeha miverina, ka hitsingevangevana eny amin'ny hazo hafa fotsiny ihany?' 10 Hoy ireo hazo tamin'ilay aviavy: 'Avia ka manjakà aminay.' 11 Fa hoy kosa ilay aviavy tamin'ireo: 'Tokony hafoiko ve ny hamamiko sy ny voa tsarako, mba hahafahako miverina ka hitsingevangevana eo amin'ireo hazo hafa fotsiny ihany?' 12 Hoy ireo hazo tamin'ilay voaloboka: 'Avia ka manjakà aminay.' 13 Hoy ilay voaloboka tamin'izy ireo hoe: 'Tokony hafoiko ve ny divay vaovaoko, izay mampifaly ny andriamanitra sy ny olombelona, ka hiverina ary hitsingevangevana eo amin'ireo hazo hafa?' 14 Dia hoy ny hazo rehetra tamin'ny tsilon-draketa: 'Avia ka manjakà aminay.' 15 Hoy ny tsilon-draketa tamin'ireo hazo: 'Raha tena te hanosotra ahy ho mpanjaka eo aminareo ianareo, dia avia ary mitadiava fiarovana eo amban'ny aloko. Raha tsy izany, dia aoka hivoaka avy ao amin'ny tsilon-draketa ny afo ary aoka izany handoro ny sederan'i Libanona.' 16 Ankehitriny ary, raha nanao ny marina sy mahitsy ianareo, tamin'ny nanaovanareo an'i Abimeleka ho mpanjaka, ary raha nanao ny tsara mahakasika an'i Jerobala sy ny ankohonany, ary raha nanafay azy araka izay mendrika azy ianareo— 17 —ary mihevitra fa niady ho anareo ny raiko, nanao vy very ny ainy, ary namonjy anareo tamin'ny tanan'i Midiana— 18 fa ankehitriny ianareo dia efa nitsangana hanohitra ny ankohonan-draiko ary namono ireo zanany lahy, dia olona fitopolo, teo ambony vato iray izany. Ary nataonareo mpanjaka eo amin'ireo mpitarik'i Sekema i Abimeleka, zanaky ny mpanompo vaviny, satria havanareo izy. 19 Raha nanao ny marina sy mahitsy tamin'i Jerobala sy ny ankohonany ianareo, dia tokony hiravoravo amin'i Abimeleka, ary hamela azy hiravoravo aminareo. 20 Fa raha tsy izany, dia aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'i Abimeleka ka handoro ny olon'i Sekema sy Beta-milo. Aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'ireo olon'i Sekema sy Beta-milo, mba handoro an'i Abimeleka." 21 Nandositra ka nitsoaka i Jotama, ary nandeha tany Bera izy. Nonina tany izy satria lavitra an'i Abimeleka rahalahiny izany. 22 Nanapaka teo amin'Israely nandritra ny telo taona i Abimeleka. 23 Dia nandefa fanahy ratsy teo amin'i Abimeleka sy ireo mpitarik'i Sekema Andriamanitra. Namadika ny toky izay nananan'izy ireo tamin'i Abimeleka ireo mpitarik'i Sekema. 24 Nanao izany Andriamanitra mba ho voavaly faty ny herisetra natao tamin'ireo zanak'i Jerobala fitopolo lahy, ary ho voatazona ho tompon'antoka ireo olon'i Sekema satria nanampy azy namono an'ireo rahalahiny izy ireo. 25 Koa dia nametraka olona hiandry teo an-tampon-kavoana ireo mpitarika mba hahafahan'izy ireo mamely azy tampoka, ary norobain'izy ireo avokoa ireo izay nandalo teo amin'izy ireo teo amin'izany lalana izany. Voatatitra tany amin'i Abimeleka izany. 26 Dia tonga niaraka tamin'ireo havany i Gala zanak'i Ebeda ary nankany Sekema. Nanana fitokisana taminy ny mpitarik'i Sekema. 27 Nivoaka tany an-tsaha izy ireo ary nanangona voaloboka avy tao amin'ny tanim-boaloboka, ary dia nohitsakitsahiny izany. Nanao firavoravoana tao an-tranon'ny andriamaniny izy ireo, izay nihinanan'izy ireo sy nisotroany, ary nanozonan'izy ireo an'i Abimeleka. 28 Hoy i Gala, zanak'i Ebeda hoe: "Iza moa i Abimeleka, ary iza i Sekema, no dia tokony hanompo azy isika? Moa tsy zanak'i Jerobala ve izy? Moa tsy Zebola ve no lefiny? Tompoy ny olon'i Hamora, dia ny rain'i Sekema izany! Nahoana isika no tokony hanompo an'i Abimeleka? 29 Iriako mba teo ambany fifehezako ity vahoaka ity! Dia ho nesoriko i Abimeleka. Dia niteny tamin'i Abimeleka aho hoe: 'Antsoy ny tafikao rehetra."' 30 Rehefa nandre ny tenin'i Gala zanak'i Ebeda rehetra i Zebola, manam-boninanihitry ny tanàna, dia nirehitra ny fahatezerany. 31 Nandefa iraka tany amin'i Abimeleka izy mba hamitahana, nanao hoe: "Indro, Gala zanak'i Ebeda sy ireo havany dia ho avy any Sekema, ary manainga ny tanàna hanohitra anao izy ireo. 32 Ankehitriny ary, dia mifohaza mandritra ny alina, ianao sy ireo miaramila miaraka aminao, ka manomàna fanafihana tampoka any an-tsaha. 33 Ary amin'ny maraina, vantany vao mihiratra ny masoandro, dia mifohaza vao maraina ary manaova rodobe eny amin'ny tanàna. Rehefa mivoaka hanohitra anao izy sy ireo olona miaraka aminy, dia manaova izay afakao amin'izy ireo." 34 Koa dia nifoha nandritra ny alina i Abimeleka, sy ireo lehilahy rehetra izay niaraka taminy, ary nametraka fanafihana tampoka hanohitra an'i Sekema izy ireo—nizara ho antoko efatra izany. 35 Nivoaka i Gala zanak'i Ebeda ary nitsangana teo amin'ny fidirana teo amin'ny vavahadin'ny tanàna. Nivoaka avy tao amin'ny toerana fiafenany i Abimeleka sy ireo lehilahy niaraka taminy. 36 Rehefa hitan'i Gala ireo lehilahy, dia hoy izy tamin'i Zebola hoe: "Indreo, misy olona midina avy any an-tampon-kavoana!" Hoy Zebola taminy hoe: "Toy ny olona ny fahitanao ireo aloka eo amin'ny havoana." 37 Dia niteny indray i Gala ka nanao hoe: "Indreo, misy olona midina eo afovoan'ny tany, ary misy antoko iray tonga avy eo amin'ny hazo terebintan'ireo mpanandro." 38 Dia hoy Zebola taminy: "Aiza ary ireo teny mieboebonao ankehitriny, ianao ilay niteny hoe: 'Iza moa i Abimeleka no tokony ho tompointsika?' Moa ve tsy nanamavo ireo lehilahy ireo ianao? Mivoaha izao ka miadia amin'izy ireo." 39 Nivoaka i Gala ary nitarika ireo lehilahin'i Sekema, ary niady tamin'i Abimeleka izy ireo. 40 Nanenjika azy i Abimeleka, ary nandositra teo anoloany i Gala. Maro no lavon'ny ratra mahafaty teo anoloan'ny fidirana teo am-bavahadin'ny tanàna. 41 Nitoetra tany Amora i Abimeleka. Noteren'i Zebola hivoaka an'i Sekema i Gala sy ireo havany. 42 Ny ampitso dia nivoaka ho any an-tsaha ireo vahoakan'i Sekema, ary voatatitra tany amin'i Abimeleka izany. 43 Naka ireo vahoakany izy, nizara azy ireo ho antoko telo, ary nanomana fanafihana tampoka tany an-tsaha izy ireo. Nitazana izy ka nahita ny olona nivoaka avy any an-tanàna ary nanafika izy ka nahafaty azy ireo. 44 Nanafika ary nanampina ny fidirana teo amin'ny vavahadin'ny tanàna i Abimeleka sy ireo antoko niaraka taminy. Ireo antoko roa hafa dia nanafika an'ireo rehetra tany an-tsaha ary namono azy ireo. 45 Niady hanohitra ny tanàna rehetra tamin'izany tontolo andro izany i Abimeleka. Nambabo ny tanàna izy, ary nahafaty an'ireo vahoaka izay tao amin'izany. Narodany ny mandan'ny tanàna ka nandrarahany sira izany. 46 Rehefa nandre ny momba izany ireo mpitarika teo amin'ny tilikambon'i Sekema, dia niditra tao amin'ny fiarovana mafin'ny tranon'i El-berita izy ireo. 47 Nolazaina tamin'i Abimeleka fa niara-nivory tao amin'ny tilikambon'i Sekema ny mpitarika rehetra. 48 Nandeha niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona i Abimeleka, izy sy ireo lehilahy rehetra niaraka taminy. Naka famaky i Abimeleka ary nanapaka rantsan-kazo. Napetrany teo an-tsorony izany ary nibaiko ireo lehilahy niaraka taminy izy hoe: "Izay hitanareo ataoko, faingàna ka manaova tahaka ny nataoko." 49 Koa dia nikapa rantsan-kazo ny olon-drehetra ary nanaraka an'i Abimeleka. Navangongon'izy ireo teo amin'ny rindrin'ny tilikambo izany, ary nodoran'izy ireo, hany ka maty ihany koa ny olona rehetra tao amin'ny tilikambon'i Sekema, dia lehilahy sy vehivavy manodidina ny arivo izany. 50 Dia nankany Tebeza i Abimeleka, ary nitoby tandrifin'i Tebeza izy ka nambabo izany. 51 Saingy nisy tilikambo mafy tao amin'ny tanàna, ary vaky nandositra nankao amin'izany ireo lehilahy sy vehivavy ary ireo mpitarika ny tanàna rehetra ka nihidy tao. Avy eo dia niakatra teny an-tafon'ilay tilikambo izy ireo. 52 Nankany amin'ilay tilikambo i Abimeleka ka niady tamin'izany, ary niakatra nanakaiky ny varavaran'ny tilikambo izy mba handoro azy. 53 Saingy nisy vehivavy nandatsaka vato fikosoham-bary teo amin'ny lohan'i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany. 54 Avy eo dia niantso faingana an'ilay tovolahy izay mpitondra ny fiadiany izy, ary niteny taminy hoe: "Avoahy ny sabatrao dia vonoy aho, mba tsy hisy hilaza ny amiko hoe: 'Vehivavy no namono azy."' Ka notrobaran'ilay tovolahy izy, ary maty. 55 Rehefa hitan'ireo olon'Israely fa maty i Abimeleka, dia nody izy ireo. 56 Koa dia namaly faty ny faharatsian'i Abimeleka izay nataony tamin-drainy tamin'ny namonoany ireo rahalahiny fitopolo Andriamanitra. 57 Naverin'Andriamanitra teo amin'ny lohan'izy ireo ihany ny faharatsian'ireo olon'i Sekema ary nanody azy ireo ny ozon'i Jotama zanak'i Jerobala.
Anarana hafa fiantso an'i Gideona izany. Jereo ao amin'ny 6:31 ny fomba nandikanao izany.
Farango sosona ao anaty farango sosona izany. Azo adika tahaka izao ihany koa ny farango mivantana. D.H: DH: "Mba anontanio ireo mpitarik'i Sekema sao mba te hanana ireo zanak'i Jerobala fitopolo lahy hanapaka eo amin'izy ireo, na sao mba te hanana na dia ny iray amin'ireo zanany lahy hanapaka eo amin'izy ireo."
"70"
"nofo sy rànareo" eto dia midika fa misy ro-pihavanana eo amin'izy ireo. DH: "Anisan'ny fianakavianareo aho"
Izany dia midika fa niresaka tamin'ireo mpitarika ny havan-drenin'i Abimeleka, ary nanome soso-kevitra azy ireo mba hanosorana an'i Abimeleka ho mpanjaka.
"Nanaiky ny hamela an'i Abimelka ho mpitarika izy ireo"
Eto ny hoe "trano" dia midika hoe tempoly.
Izany hoe sekely volamena fitopolo. Milanja 11 grama ny sekely iray. Raha ilaina ny mandika izany amin'ny fampiasana fandanjana vaovao, dia afaka adika tahaka izao DH: "volafotsy sahabo 1kilao"
"70"
Anarana andriamanitra tsy izy izany. Jereo ao amin'ny 8:32 ny fomba nandikanao izany.
"mahery setra sady adala"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 6:11 ny anaran'izany tanàna izany.
"vato 1"
"70"
Anarana hafa fiantso an'i Gideona izany. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 6:31.
Anaran-toerana izany.
Nanao fanoharana i Jotama, dia fanoharana ny vondron'olona samy hafa amin'ny hazo izany.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Rehefa ren'i Jotama fa namono ireo rahalahiny i Abimeleka"
Tendrombohitra izany.
Amin'izany fanoharana izany dia manoritsoritra izay ataon'ireo hazo tahaka ny olombelona i Jotama.
Ny fanosorana diloilo et dia famantarana amin'ny fanendrena olona ho mpanjaka. DH: "mba hanendry mpanjaka hanapaka eo amin'izy ireo"
"Aoka ianao ho mpanjakanay"
Mbola nanohy nilaza ny fanoharana ihany i Jotama, dia ny fanoharany ny vondron'olona samy hafa amin'ny hazo izany.
Amin'izany fanoharana izany dia manoritsoritra izay ataon'ireo hazo tahaka ny olombelona i Jotama.
Nametraka izany fanontaniana izany ny oliva mba handavany tsy ho mpanjaka. Azo adika toy izao ihany koa izany fanontaniana izany DH: "Tsy ho foiko ny menako ... eny amin'ny hazo hafa fotsiny ihany."
Ny teny hoe "mitsingevangevana" dia midika hoe "mihevaheva" eny amin'ny rivotra. Eto dia nampiasa izany teny izany ilay hazo izay midika hoe "manapaka."
Nametraka izany fanontaniana izany ny aviavy mba handavany tsy ho mpanjaka. Azo adika toy izao ihany koa izany fanontaniana izany DH: "Tsy ho foiko ny hamamiko ... eny amin'ny hazo hafa fotsiny ihany."
Ny teny hoe "hamamiana" dia anarana. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "ny hamamian'ny voa tsarako" (UDB)
Mbola nanohy nilaza ny fanoharana ihany i Jotama, dia ny fanoharany ny vondron'olona samy hafa amin'ny hazo izany.
Amin'izany fanoharana izany dia manoritsoritra izay ataon'ireo hazo sy ilay voaloboka tahaka ny olombelona i Jotama.
Nametraka izany fanontaniana izany ny voaloboka mba handavany tsy ho mpanjaka. Azo adika toy izao ihany koa izany fanontaniana izany DH: "Tsy ho foiko ny divaiko vaovao ... eny amin'ny hazo hafa."
Sady matsokotsoko no mandratra. Ny raketa dia rakotra tsilo manindrona ny vatany.
Mbola nanohy nilaza ny fanoharana ihany i Jotama, dia ny fanoharany ny vondron'olona samihafa amin'ny hazo izany, ary nanao fampiharana izy.
Amin'izany fanoharana izany dia manoritsoritra izay ataon'ilay tsilon-draketa sy hazo tahaka ny olombelona i Jotama.
Ny fanosorana diloilo dia famantarana rehefa manendry olona ho mpanjaka. DH: "hanendry ahy ho mpanjakanareo"
Ny teny hoe "fiarovana" dia anarana, azo adika ihany koa hoe DH: "azo antoka"
Izany dia midika hoe aoka handoro ireo sedera ny tsilon-draketa.
Ny dikan'izany akory tsy hoe "amin'izao fotoana izao,'' fa mba hanomezan-danja izay ho lazaina manaraka.
Nanaiky i Jotama fa nanao izay tsara izy ireo, nefa tsy tena nahatoky i Jotama fa tsara ny nataon'izy ireo. DH: "Raha nanao izay marina ianareo ary mendrika aminareo ny hamonoan'i Jerobala ny zanany rehetra"
Anarana hafa fiantso an'i Gideona izany. Jereo ao amin'ny 6:31 ny fomba nandikanao izany.
Eto ny hoe "ankohonana" dia ireo fianakavian'i Gideona.
Nanao fampiharana ny zava-misy tamin'izany fotoana izany sy tamin'izany toerana izany i Jotama.
Eto Jotama dia milaza fa tsy mino ny fampijalian'ny vahoakan'i Sekama an'i Gideona sy ny ankohonany izy na dia niady mba hanavotra an'i Sekama aza i Gideona.
Eto ny hoe "tanana" dia midika hoe hery na fifehezana. DH: "tamin'ny herin'ireo Midianita" na "tamin'ireo Midianita"
Fomba fiteny izany. DH: "ianareo dia efa nanohitra" na "ianareo dia efa namaly"
"ankohonana" eto dia midika hoe "fianakaviana." DH: "ny fianakavian-draiko"
"70"
"vato 1"
Eto ny mpisolo tena tampisaka "-ny" dia misolo tena an'i Gideona.
Nanaiky i Jotama fa nanao izay tsara izy ireo, nefa tsy tena nahatoky i Jotama fa tsara ny nataon'izy ireo. DH: "Raha nitondra an'i Jerobala sy ny ankohonany araka ny tokony ho izy ianareo"
Anarana hafa fiantso an'i Gideona izany. Izany dia midika hoe "Aoka hiaro ny tenany i Bala." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:31.
Eto ny hoe "ankohonana" dia entina ilazana ny fianakaviana. DH: "ny fianakaviany"
Nanaiky i Jotama fa nanao izay ratsy izy ireo sady nanozona. Nino tokoa i Jotama fa izay ratsy no nataon'izy ireo. DH: "Fa raha nitondra an"i Jerobala syn y fianakaviany tsy araka ny tokony ho izy ianareo"
Eto dia manambara ozona i Jotama. Miresaka ny fanimban'i Abilemeka ny vahoakan'i Sekema toy ny hoe dorany amin'ny afo izy ireo.
Eto dia manambara ozona i Jotama. Miresaka ny fanimban'ny vahoakan'i Sekema sy Beta-milo an'i Abimeleka toy ny hoe doran'izy ireo amin'ny afo izy.
Anaran-toerana izany. Adikao tahaka ny nandikanao ao amin'ny 9:5 izany.
Anaran-tanàna izany.
"3"
Izany dia midika fa nampiharin'Andriamanitra ny hozona nataon'i Jotama tamin'ny fandefasany fanahy ratsy mba hampisy korontanana sy habibiana eo amin'i Abimeleka sy ireo mpitarik'i Sekema.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Nanao izany Andriamanitra mba hamaliany faty ireo zanaka lahy fitopolo izay novonoin'i Abimeleka rahalahin'izy ireo ary nanampy tamin'ny famonoana ireo lehilahin'i Sekema"
"70"
Anarana hafa fiantso an'i Gideona izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:31.
"nandefa lehilahy hiafina sy hiandry teo an-tampon-kavoana mba hanafika an'i Abimeleka"
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Nisy olona nilaza tamin'i Abimeleka ny momba ireo lehilahy miandry mba hanafika azy"
Anaran-dehilahy ireo.
Ny teny hoe "fitokisana" dia anarana, azo avadika ho matoanteny "matoky'' ihany koa izany. DH: "natoky azy"
Eto ny hoe "Izy ireo" dia manondro an'i Gala sy ireo fianakaviany ary ireo lehilahin'i Sekema.
Nataon'izy ireo izany mba hampivoaka ny ranom'boaloboka hatao divay.
"nosihosena" na "notorotorona"
Eto ny hoe "trano" dia midika hoe tempoly.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 9:26 ireo anarana ireo.
Nampiasa fanontaniana i Gala mba hanasongadinana fa tsy tokony hanompo an'i Abimeleka ny vahoakan'i Sekema. DH: "Tsy tokony hanompo an'i Abimeleka isika!"
Mitovy ihany ny dikan'ireo fanontaniana roa ireo. Nataon'i Gala bango tokana eto i "Abimeleka" sy "Sekema" satria avy any Sekema ny renin'i Abimeleka. DH: "Tsy tokony hanompo an'i Abimeleka isika, dia i Sekema izany!"
Nampiasa fanontaniana i Gala mba hanasongadinana fa tsy tokony hanompo an'i Abimeleka ny vahoakan'i Sekema. DH: "Zanak'i Jerobala fotsiny ihany izy, ary lefiny fotsiny ihany i Zebola."
Anarana hafa fiantso an'i Gideona izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:31.
Anaran-dehilahy izany.
Ny tian'i Gala hambara dia hoe tokony hanompo ireo taranaka avy any Hamora ny vahoakan'i Sekema, dia ireo izay tena Kananita, fa tsy hanompo olona izay Israelita ny rainy.
Nampiasa fanontaniana i Gala mba hanasongadinana fa tsy tokony hanompo an'i Abimeleka ny vahoakan'i Sekema. DH: "Tsy tokony hanompo an'i Abimeleka isika!"
"Iriako mba izaho no nanapaka ny vahoakan'i Sekema"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 9:28 izany anarana izany.
Eto ny teny hoe "teni-" dia izay voalaza. DH: "nandre izay nolazain'i Gala zanak'i Ebeda"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 9:26 ireo anarana ireo.
Resahina toy ny afo mandoro ny hatezerana. DH: "tezitra mafy dia mafy izy"
Namitaka an'i Gala sy ny vahoakan'i Sekema i Zebola. DH: "antsokosoko"
Manao ny vahoakan'ny tanàna izay tezitra mafy ho toy ny hoe rano mitobaka avy ao anaty vilany. DH: "Nandresy lahatra ny vahoakan'ny tanàna mba hanohitra anao izy ireo"
Eto ny hoe "tanàna" dia midika hoe ny vahoakan'ny tanàna.
Mbola niresaka tamin'i Abimeleka ihany ny mpitondra hafatr'i Zebola.
Ny dikan'izany akory tsy hoe "amin'izao fotoana izao,'' fa mba hanomezan-danja izay ho lazaina manaraka.
"miafina sy manafika azy ireo tampoka"
Izany dia midika fa afaka manao izay tiany izy ireo mba hamongorana ny mpanaraka an'i Gala.
"sy ireo lehilahy nanaraka an'i Abimeleka" na "sy ireo lehilahy niady ho an'i Abimeleka"
Eto ny hoe "Sekema" dia ireo vahoakan'i Sekema. DH: "niafina izy ireo mba hanafika an'i Sekema amin'ny fotoana tsy ampoizina"
"nosarahina ho antoko 4"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 9:26 ireo anarana ireo.
Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 9:26.
Anaran-dehilahy izany. Jereo ao amin'ny 9:28 ny fomba nandikanao izany.
Nanakorontana ny sain'i Gala i Zebola ary nanao izay mba tsy hivononany amin'ny ady. DH: "Tsy olona ireo, fa alok'ireo havoana ihany''
"antoko 1"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 9:28 izany anarana izany.
Tamin'izany fanontaniana fampisainana izany no nandatsan'i Zebola an'i Gala. Ny hoe "teny" dia izay efa voalaza. DH: "Tsy miresaka am-pieboeboana ianao ankehitriny!" na "Tsy mirehareha ianao ankehitriny!"
Naverin'i Zebola tamin'i Gala ny fieboebony. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "ianao izay niteny fa tsy tokony hanompo an'i Abimeleka izahay."
Namaly an'i Gala tamin'ny fanontaniana fampisainana i Zebola. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Indreo ny lehilahy izay namavoinao."
"nankahala"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 9:26 izany anarana izany.
Fomba fiteny izany. DH: "Ary maro ireo lehilahy maty nohon'ny ratrany"
Anaran-tanàna izany.
Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 9:28.
Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 9:26.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Nisy olona nitatitra izany tany amin'i Abimeleka"
"nosarahina ho antoko 3 izy ireo"
"niafina tany an-tsaha izy ireo mba hanafika ny vahoaka amin'ny fotoana tsy ampoizina"
Eto ny teny hoe "izy" dia manondro an'i Abimeleka izay midika ihany koa hoe ireo miaramilany rehetra. DH: "nanafika izy ireo"
"ireo antokon'ny miaramila"
"2 hafa"
Eto ny hoe "Abimeleka" dia midika hoe ireo miaramilany. D.H: "Niady ... i Abimeleka sy ireo miaramilany ... Narodan'izy ireo"
Eto ny hoe "tanàna" dia midka hoe ireo vahoaka. DH: "hanohitra ireo vahoakan'i Sekema"
"Noravany"
"nandrarahany sira ny tany." Ny fandrarahana sira amin'ny tany dia manakana ny zava-maniry mba tsy hitsimoka eo.
Eto izany dia midika hoe tempoly.
Ny teny hoe "El" dia midika hoe "andriamanitra." Anarana andriamanitra tsy izy tahaka ny "Bala-berita" ao amin'y 8:32 izany.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Nisy olona nilaza tamin'i Abimeleka"
Anarana tendrombohitra izany.
Izany dia midika hoe manangona ratsan-kazo avangongo.
"lehilahy sy vehivavy manodidina ny 1.000"
Anaran-tanàna izany.
"nitoby teo ivelan'ny tanànan'i Tebeza"
"nanafika izany''
Vato boribory fisaka lehibe ampiasaina ikosohana vary akotry.
Ilay lehilahy izay nitondra ny fitaovam-piadian'i Abimeleka izany.
Izany dia midika fa notrobaran'ilay tovolahy tamin'ny sabatra ny vatan'i Abimeleka.
"70"
Ny hoe "Niverina tamin'ny lohan'izy ireo ny faharatsiana" dia fomba fiteny. DH: "nofaizina nohon'ny ratsy rehetra nataony ny lehilahin'i Sekema"
Izany dia fomba fiteny. DH: "nandaitra tamin'izy ireo ny ozon'i Jotama zanank'i Jerobala"
Anarana hafa fiantso an'i Gideona izany. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 6:31.
1 Taorian'i Abimeleka, Tola zanak'i Poa zanak'i Dodo, lehilahy avy any Isakara izay nonina tany Samira, tany amin'ny tany havoan'ny Efraima, nitsangana mba hanafaka an'Israely. 2 Nitsara ny Israely nandritra ny telo amby roapolo taona izy. Maty izy ary nalevina tany Samira. 3 Nodimbiasin'i Jaira ilay Gileadita izy. Nitsara ny Israely nandritra ny roa amby roapolo taona izy. 4 Nanan-janaka telopolo lahy izay nitaingina boriky telopolo izy, ary nanana tanàna telopolo izy ireo, izay antsoina hoe Havota-jaira mandrak'androany, tany amin'ny tanin'i Gileada izy ireo. 5 Maty i Jaira ary nalevina tany Kamona. 6 Nanampy ny ratsy izay nataon'izy ireo teo imason' i Yaveh ny vahoakan'i Israely ary nanompo ireo Bala, ireo Astarta, ireo andriamanitr'i Arama, ireo andriamanitr'i Sidona, ireo andriamanitr'i Moaba, ireo andriamanitry ny vahoakan'i Amona, ary ireo andriamanitr'i Filistina. Nandao an'i Yaveh izy ireo ary tsy nanompo Azy intsony. 7 Nirehitra tamin'i Israely ny hatezeran'i Yaveh, ary namidiny teo an-tanan'ireo Filistina sy teo an-tanan'ireo Amonita izy ireo. 8 Namotika sy nampahory ny vahoakan'Israely izy ireo tamin'izany taona izany, ary nampahorian'izy ireo nandritry ny valo ambin'ny folo taona ny vahoakan'i Israely rehetra izay tany andafin'i Jordana tany amin'ny tanin'ireo Amorit, izay any Gileada. 9 Ary dia niampita an'i Jordana mba hiady tamin'i Joda, tamin'i Benjamina, ary tamin'ny ankohonan'i Efraima ireo Amorita, mba hampahory mafy an'Israely. 10 Dia niantso mafy an'i Yaveh ny vahoakan'Israely, nanao hoe: "Efa nanota taminao izahay, satria nandao ny Andriamanitray izahay ary nonompo ireo Bala." 11 Hoy i Yaveh tamin'ny vahoakan'Israely: "Tsy nanafaka anareo tamin'ireo Egyptiana, Amorita, Amonita, Filistina, 12 ary koa tamin'ireo Sidoniana ve Aho? Nampahory anareo ireo Amalekita sy ireo Maonita; dia niantso mafy Ahy ianareo, ary nafahako tamin'ny herin'izy ireo ianareo. 13 Dia mbola nandao Ahy indray ianareo ary nanompo ireo andriamani-kafa. Noho izany, tsy hanampy ny fotoana hanafahako anareo Aho. 14 Mandehana ary antsoy mafy ireo andriamanitra izay notompoinareo. Avelao izy ireo hanavotra anareo rehefa misy olana ianareo." 15 Hoy ireo vahoakan'Israely tamin'i Yaveh: "Nanota izahay. Ataovy aminay na inona na inona mety ho tsara Aminao. Fa kosa, mba avoty re izahay amin'ity andro ity." 16 Dia nanaisotra ireo andriamanitra tsy izy teo aminy izy ireo ary nanompo an'i Yaveh. Ary tsy zakan'i Yaveh intsony ny fahorian'Israely. 17 Dia niara-nivory ireo Amonita ary nanangana toby tao Gileada. Dia niara-tonga ireo Israelita ary nanangana ny tobiny tany Mizpa. 18 Ireo mpitarika ny vahoakan'i Gileada nifampiresaka hoe: "Iza ilay lehilahy izay hanomboka hiady amin'ireo Amonita? Ho lasa mpitarika ireo rehetra izay nitoetra tany Gileada izy."
Anaran-dehilahy ireo.
Anaran-toerana izany.
"tonga mba hanafaka an'Israely" na "lasa mpitarika mba hanafaka an'Israely''
Eto ny hoe "Israely" dia ireo vahoakan'Israely.
Eto ny hoe "nitsara'' dia midika hoe nitarika ny vahoakan'Israely.
"23 taona"
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "ary nalevin'izy ireo izy"
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Jaira ilay Gileadita no mpitarika nandimby an'i Tola"
Anaran-dehilahy izany.
Avy amin'ny fokon'i Gileada i Jaira.
Eto ny hoe "nitsara" dia midika hoe nitarika ny vahoakan'Israely.
Eto ny hoe "Israely" dia ireo vahoakan'Israely.
"22 taona"
"30"
Izany faritra izany dia nampitondraina anaran'olona iray.
Izany dia manondro ny fotoana izay nanoratana ny bokin'ny Mpitsara.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "nalevin'izy ireo izy"
Anaran-toerana izany.
Izany dia miresaka ny faharatsiana ho toy ny hoe zavatra izay azo ampiana mba ho lehibe kokoa. DH: "nanohy nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy"
Eto ny hoe "teo imason'i Yaveh'' eto dia midika izay fiheveran'Andriamanitra sy ny heritreriny amin'ny zavatra iray. DH: "araka ny hevitr'i Yaveh''
Jereo ao amin'ny 2:11 ny fomba nandikanao izany.
Naverin'ny mpanoratra intelo izany mba hisongadina. Azo atao ihany koa hoe DH: "Natsahatr'izy ireo tanteraka ny fanompoana an'i Yaveh"
Ny tsy fankatoavana sy tsy fanompoana an'i Yaveh intsony dia resahina toy ny hoe nandao an'i Yaveh ny vahoaka ary nandeha tany an-kafa.
Ny hatezeran'i Yaveh dia resahina tou ny hoe afo mandoro. DH: "Tezitra mafy tamin'Israely i Yaveh"
Ny famelan'i Yaveh an'ireo Filistina sy ireo Amonita handresy ny Israelita dia resahina toy ny hoe namidiny tamin'izy ireo ny Israelita.
Eto ny hoe "tanan-('ireo)'' dia midika hoe hery na fifehezana.
Ireo teny ireo dia entina anehoana ny fijalian'ireo Israelita. DH: "nijaly mafy"
"18 taona"
Izany dia midika hoe tany ampita atsinanan'ny Renirano Jordana.
"Izany faritra izany dia antsoina ihany koa hoe Gileada''
"Joda" sy "Benjamina" eto dia entina hanondrona ny vahoakan'ireo foko. DH: "ny vahoakan'ny fokon'i Joda... ny vahoakan'ny fokoni Benjamina"
Ny teny hoe "ankohonana" dia entina ilazana ny vahoakan'ny fokon'i Efraima. DH: "ny vahoakan'ny fokon'i Efraima"
"Israely" dia netina ilazana vahoakan'i Israely. DH: "mba hampahory mafy ny vahoakan'i Israely"
Izany dia midika fa niantso vonjy tamin'i Yaveh tamim-pahaverezan-kevitra ny vahoakan'Israely.
Ny tsy fankatoavana sy tsy fanompoana an'i Yaveh intsony dia resahina toy ny hoe nandao an'i Yaveh ny vahoaka ary nandeha tany an-kafa.
Niresaka tamin'i Yaveh izy ireo ary nanao Azy hoe "Andriamanitray." Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "nandao Anao, ilay Andriamanitray"
Nibedy ny vahoakan'Israely Andriamanitra tamin'ny nanompoan'izy ireo andriamanitra hafa. Azo avadika ho fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana fampisainana izany. DH: "Izaho no hany tokana nanafaka anareo ... Sidoniana."
Izany dia ireo olona avy amin'ny fokon'i Maona.
Eto ny hoe "hery" dia midika hoe "ireo Amalekita" sy "ireo Maonita." DH: "tamin'izy ireo"
Ny tsy fankatoavana sy tsy fanompoana an'i Yaveh intsony dia resahina toy ny hoe nandao an'i Yaveh ny vahoaka ary nandeha tany an-kafa.
Ny andian-teny hoe "hanampy fotoana" dia fomba fiteny izay midika hoe mbola hanao ilay zavatra ihany Izy. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "Tsy hanafaka anareo intsony Aho'' na ''Tena hanatsahatra ny fanafahako anareo Aho"
Azo adika mazava tsara izany andian-teny izany. DH: "andriamanitra tsy izy izay nananan'izy ireo"
Eto ny hoe "Israely" dia entina ilazana ny vahoakan'i Israely. DH: "Tsy tian'Andriamanitra hijaly intsony ny vahoakan'Israely"
"Iza no hitarika ny tafikay hiady amin'ireo Amorita?"
1 Ary Jefta ilay Gileadita dia mpiady mahery, saingy zanaka mpivaro-tena izy. Gileada no rainy. 2 Niteraka ireo zanany lahy hafa koa ny vadin'i Gileada. Rehefa lehibe ny zanaky ny vadiny, dia noteren'izy ireo handao ny trano i Jefta sady nanao taminy hoe: "Tsy handova na inona na inona avy amin'ny fianakavianay ianao. Zanaky ny vehivavy hafa ianao." 3 Noho izany dia nitsoaka an'ireo rahalahiny Jefta ary nonina tany amin'ny tanin'i Toba. Nisy lehilahy tsy mpanara-dalàna nanatona azy ka tonga izy ireo ary nandeha niaraka taminy. 4 Andro vitsy taty aoriana, dia niady tamin'Israely ny vahoakan'i Amona. 5 Rehefa niady tamin'Israely ny vahoakan'i Amona, dia tonga nitondra an'i Jefta avy any amin'ny tanin'i Toba hiverina ireo loholon'i Gileada. 6 Hoy izy ireo tamin'i Jefta hoe: "Avia ary meteza ho mpitarika anay mba hahafahanay miady amin'ny vahoakan'i Amona. 7 Hoy Jefta tamin'ireo mpitarika an'i Gileada hoe: "Nankahala ahy ianareo ary nanery ahy handao ny tranon-draiko. 8 Nahoana ianareo ankehitriny no makaty amiko rehefa ao anatin'ny olana?" Hoy ireo loholon'i Gileada tamin'i Jefta hoe: "Izany no antony hitodianay aminao ankehitriny; andao hiaraka aminay ary hiady amin'ny vahoakan'i Amona, ka ho tonga mpitarika amin'izay rehetra monina ao Gileada ianao." 9 Hoy Jefta tamin'ireo loholon'i Gileada hoe: "Raha entinao mody mba hiady amin'ny vahoakan'i Amona indray aho, ary raha omen'i Yaveh fandresena isika, dia ho mpitarika anareo aho." 10 Dia hoy ireo loholon'i Gileada tamin'i Jefta hoe: "Yaveh anie ho vavolombelona eo amintsika sy ianao raha tsy manao araka izay lazaintsika isika!" 11 Noho izany dia lasa niaraka tamin'ireo loholon'i Gileada i Jefta, ary nataon'ny vahoaka ho mpitarika sy mpibaiko azy ireo izy. Rehefa teo anatrehan'i Yaveh tany Mizpa izy, dia namerina ireo fampanantenana rehetra nataony i Jefta. 12 Avy eo Jefta naniraka mpitondra hafatra ho an'ny mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, manao hoe: "Inona ity ady eto amintsika ity? Nahoana ianao no tonga tamin-kery haka ny taninay?" 13 Dia namaly an'ilay mpitondra hafatr'i Jefta ilay mpanjakan'ny vahoakan'ny Amona hoe: "Satria tamin'ny vahoakan'Israely nivoaka avy tany Egypta, dia nalain'izy ireo ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka, ka hatrany Jordana. Ankehitriny avereno am-pilaminana ireo tany ireo." 14 Dia nandefa mpitondra hafatra ho any amin'ilay mpanjakan'ny vahoakan'i Arnona indray i Jefta, 15 ary hoy izy hoe: "Izao no ambaran'i Jefta: Tsy nalain'Israely ny tanin'i Moaba sy ny tanin'ny vahoakan'i Amona, 16 fa niakatra avy tany Egypta izy ireo, ary Israely nandeha namakivaky ny efitra nankany amin'ny Ranomasina Mena sy tany Kadesa. 17 Rehefa nandefa mpitondra hafatra ho any amin'ny mpanjakan'i Edoma i Israely, nanao hoe: 'Miangavy re mba avelao izahay handalo eo amin'ny taninareo,' dia tsy nihaino ilay mpanjakan'i Edoma. Nandefa mpitondra hafatra tany amin'ny mpanjakan'i Moaba ihany koa izy ireo, fa nandà izy. Noho izany dia nijanona tao Kadesa i Israely. 18 Dia nandeha tany an'efitra izy ireo ary nivily an'ilay tanin'i Edoma sy ny tanin'i Moaba, ka nandeha nanaraka ny morony antsinanan'ny tany Moaba ary nitoby tao amin'ny ilany ampitan'i Arnona. Fa tsy nandeha nankany amin'ny faritanin'i Moaba izy ireo, satria sisin-tanin'i Moaba i Arnona. 19 Ary Israely nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Sihona, mpanjakan'ireo Amorita, izay nanjaka tany Hesbona; hoy Israely taminy hoe: 'Miangavy, avelao izahay mba hiampita ny taninao mankany amin'ny toerana izay anay.' 20 Saingy tsy nahatoky an'Israely hiampita ny faritaniny i Sihona. Noho izany dia nangonin'i Sihona ny tafiny rehetra ary nafindrany tany Jahaza izany, ary tany izy no niady tamin'Israely. 21 Ary Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely, nanolotra an'i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo am-pelatanan'i Israely ka resiny izy ireo. Noho izany dia nalain'Israely ny tanin'ireo Amorita rehetra izay nonina tao amin'izany firenena izany. 22 Nalain'izy ireo avokoa ny zavatra rehetra tao amin'ny faritanin'ireo Amorita, hatrany Arnona ka hatrany Jaboka, ary hatrany an'efitra ka hatrany Jordana. 23 Ary taorian'izay Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, dia nandroaka ireo Amorita teo anatrehan'i Israely vahoakany, ka tokony haka ho fananana ny tanin'izy ireo ve ianao ankehitriny? 24 Moa tsy haka ny tany izay nomen'i Kemosy, andriamanitrao ho anao ve ianao? Noho izany na inona na inona tany omen'i Yaveh Andriamanintsika antsika, dia ho alaintsika. 25 Koa tsara noho i Balaka zanaka lahin'i Zipora, mpanjakan'i Moaba ve ianao? Sahy niady hevitra tamin'Israely ve izy? Sahy nanangan'ady tamin'izy ireo ve izy? 26 Rehefa nipetraka nandritra ny telonjato taona tany Hesbona sy ireo zana-bohiny i Israely, ary tany Aroera sy ireo zana-bohiny, sy tany amin'ireo tanàna rehetra izay eny amoron'i Arnona— koa nahoana ianareo no tsy nitondra azy ireo niverina tamin'izany fotoana izany? 27 Tsy nanao ratsy anareo aho, fa ianareo kosa manao ratsy ahy amin'ny fanafihana ahy. Yaveh, ilay mpitsara, no hanapa-kevitra anio ny amin'ny vahoakan'i Israely sy ny vahoakan'i Amona." 28 Nefa tsy niraharaha ny fampitandremana izay nalefan'i Jefta tany aminy ny mpanjakan'ny vahoakan'i Amona. 29 Avy eo tonga tao amin'i Jefta ny Fanahin'i Yaveh, ka nandalo an'i Gileada sy Manase izy, dia nandalo an'i Mizpa any Gileada, ary avy ao Mizpa an'i Gileada izy dia nandalo ny vahoakan'i Amona. 30 Nanao voady tamin'i Yaveh i Jefta ary nanao hoe: "Raha omenao fandresena eo amin'ny vahoakan'i Amona aho, 31 dia na inona na inona mivoaka ny varavaran'ny tranoko mba hitsena ahy rehefa miverina am-piadanana avy any amin'ny vahoakan'i Amona aho, dia ho an'i Yaveh, ary hatolotro ho fanatitra dorana izany." 32 Ary dia nandalo teo amin'ny vahoakan'i Amona i Jefta mba hiady hanohitra azy ireo, ary nomen'i Yaveh azy ny fandresena. 33 Nanafika azy ireo izy ary nahatonga famonoana lehibe tao Aerora ka hatrany Minita—tanàna roapolo—ka hatrany Abela-keramina. Ka dia tao ambany fifehezan'ny vahoakan'Israely ny vahoakan'i Amona. 34 Tonga tao an-tranony tany Mizpa i Jefta, ary nivoaka avy tao ny zanany vavy mba hitsena azy amin'ny apongatapaka sy dihy. Izy irery no hany zanany, ary ankoatra azy dia tsy nanana zanaka lahy na vavy izy. 35 Vantany vao hitany izy, dia norovitiny ny akanjony ary hoy izy hoe: "Indrisy! Ry zanako vavy! Notorotoroninao tamin'ny alahelo aho, ary ianao ilay lasa mampahory ahy! Satria nanao fianianana tamin'i Yaveh aho, dia tsy afaka miverina amin'ny fampanantenako." 36 Hoy izy taminy hoe: "Ry raiko, nanao voady tamin'i Yaveh ianao, ataovy amiko ny zavatra rehetra nampanantenainao, satria efa namaly faty an'ireo fahavalonao, dia ireo Amorita i Yaveh." 37 Hoy izy tamin-drainy hoe: "Aoka hazonina ho ahy izany fampanantenana izany. Avelao ho irery mandritra ny roa volana aho, mba hahafahako mandao ka mandeha midina mankany amin'ireo havoana ary hitomany ny maha-virjiny ahy, izaho sy ny fangoraham-poko." 38 Hoy izy hoe: "Mandehana." Nalefany nandritra ny roa volana izy. Dia nandao azy razazavavy, izy sy ny fangoraham-pony, ka nitomany ny maha-virjiny azy tany amin'ny havoana. 39 Rehefa vita ny roa volana dia niverina tany amin'ny rainy izy, izay nanao taminy araka ny voady fampanantenana izay nataony. Ary tsy mbola niara-nandry tamin'ny lehilahy izy, ka lasa fomba fanao isan-taona tao Israely 40 fa hamerina hitantara izany tantaran'ny zanakavavin'i Jefta ilay Gileadita izany, mandritra ny efatr'andro, ireo zanakavavin'i Israely.
Olona avy any amin'ny faritanin'i Gileada. Fifandrifiana ihany no niantsoana ny rainy hoe Gileada. Jereo ao amin'ny 10:3 ny fomba nandikanao izany.
"Rehefa tonga olon-dehibe ireo zanaky ny vadin'i Gileada"
Toba dia anarana faritra iray.
"nanaraka azy izy ireo" na "niara-nandeha teny rehetra teny izy ireo"
"Fotoana vitsy taty aoriana" (UDB)
Ny ny teny hoe "niady" dia midika hoe nanafika an'Israely sy tao amin'ny ady niaraka taminy izy ireo. Eto ny hoe "Israely" dia entina ilazana ny vahoakan'Israely. DH: "nanafika ny vahoakan'i Israely"
"mba hiadianay amin'ny''
Eto ny hoe "tranon-" dia entina ilazana ireo olona mipetraka ao an-trano. DH: "ny ankohonako"
Ny teny hoe "izany" dia izay zavatra nambaran'i Jefta mikasika ireo izay ao anaty olana. Ny dika fenon'izany fehezanteny izany dia azo atao tahaka izao. DH: "Mitodika aty aminao izahay ankehitriny satria ao anaty olana izahay"
"hiady hanohitra ny vahoakan'i Amona"
Mitovy ihany ny hevitr'ireo teny roa ireo, fanahy iniana naverina indroa mba hanasongadinana ny maha zava-dehibe ny nahazo an'i Jefta. Azo fehezina amin'ny hoe "mpibaiko" ireo teny roa ireo
Izany dia fomba fiteny. Eto ny andian-teny hoe "anatrehan'i Yaveh" dia midika fa namerina ny voady fampanantenany teo anatrehan'i Yaveh izy. DH: "Rehefa tany Mizpa i Jefta dia namerina ny voady fampanantenany rehetra teo anatrehan'i Yaveh izy"
Izany dia entina ilazana ireo fampanantenana nataony tamin'ireo mpitarik'i Gileada mikasika ny naha tonga azy ho mpitarik'izy ireo.
"Inona no anton'izao fifandirana eto amintsika izao?" Nanontany ny mpanjaka ny antony nahatezitra azy tamin'i Israely i Jefta.
Eto ny teny hoe "ianao" dia manondro ny Mpanjakan'i Amona, izay resahina toy ny hoe sarinteny ilazana ireo miaramilan'i Amona. DH: "Nahoana no tonga haka ny taninay ireo miaramilanao?"
"tonga haka ankeriny"
Anaran'ireo renirano ireo.
"any an-dafin'ny Renirano Jordana
"moramora" na "ary aza mihevitra ny hiaro ireo"
Eto ny teny hoe "izy" dia manondro an'ilay mpitondra hafatra izay niresaka tamin'ny mpanjaka. Afaka atao ihany koa hoe "izy ireo" tahaka ny ao amin'ny UDB izany, satria manondro mpitondra hafatra andiany izany. DH: "Niteny tamin'ireo mpitondra hafatra i Jefta mba hiteny hoe" na "hoy izy ireo hoe"
Na aiza na aiza alehan'ny vahoaka ka ho any amin'ny tany nampanantenaina dia atao foana hoe "miakatra" any amin'ny tany nampanantenaina. Teny amin'ny lalana mankany amin'ny tany nampanantenaina ny Israelita rehefa nandao an'i Egypta izy ireo. DH: "Nandao an'i Egypta izy ireo"
Mbola nanohy ny resany ireo mpitondra hafatr'i Jefta.
Nirahin'ireo mpitarik'i Israely ireo mpitondra hafatra. DH: "Rehefa nandefa ireo mpitondra hafatra ... ireo mpitarik'i Israely"
"handeha eo amin-" na "hiampita"
Izany fiteny izany dia midika hoe "mandà." DH: "nandà" na "tsy nanaiky ny fangatahan'izy ireo"
Azo adika mazava kokoa tahaka izao ny anton'ny nandefasan'i Israely mpitondra hafatra tany Moaba. DH: "Nandefa mpitondra hafatra miaraka amin'ny fangatahana mitovy tany Moaba ihany koa izy ireo"
Nandà ny fangatahan'i Israely handalo eo Moaba ny mpanjakan'i Moaba. Ny dika fenon'izany andian-teny izany dia azo adika tahaka izao ihany koa. DH: "fa nandà ihany koa izy ary tsy namela azy ireo handalo eo amin'ny tanin'i Moaba"
Anarana renirano izany. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 11:12 izany.
Nanohy ny resany ireo mpitondra hafatr'i Jefta.
Nirahin'ireo mpitarik'i Israely ireo mpitondra hafatra. DH: "Rehefa nandefa ireo mpitondra hafatra ireo mpitarik'i Israely"
Anaran'olona izany.
Anaran-tanàna ireo.
Tsy nahatoky ny vahoakan'i Israely handalo eo amin'ny taniny am-pilaminana i Sihona. Ny dika fenon'izany fehezanteny izany dia azo adika tahaka izao ihany ko. DH: "Saingy tsy nahatoky ny vahoakan'i Israely handalo eo amin'ny taniny am-pilaminana i Sihona''
Ny teny hoe "izy" dia manondro an'i Sihona ary koa sarinteny ilazana ny tafiny. DH: "tany izy ireo no niady" na "tany ny tafiny no niady"
Nanohy ny resany ireo mpitondra hafatr'i Jefta.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 11:19 izany anaran'dehilahy izany.
Eto ny hoe "tanana" dia entina ilazana ny hery handresena amin'ny ady. DH: "nanome hery an'i Israely teo amin'i Sihona sy ny vahoakany manontolo"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 11:12 ireo anarana renirano ireo.
Nanohy ny resany ireo mpitondra hafatr'i Jefta.
Tamin'izany fanontaniana fampisainana izany no nitenan'i Jefta mafy ny mpanajakan'ny Amonita. Ny teny hoe "-izy ireo" dia ilazana an'i Israelita. Azo avadika ho fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. DH: "noho izany, dia tsy tokony haka ho fananana ny tanin'izy ireo ianao."
Tamin'izany fanontaniana fampisainana izany no nitenan'i Jefta mafy ny mpanajakan'ny Amonita. Azo avadika ho fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. DH: "Tsy tokony haka ny tany izay nomen'i Kemosy, andriamanitrao ho anao ianao."
Izany dia fomba fiteny, izay midika hoe "mifehy" zavatra iray. DH: "mifehy" na "maka ho fananana"
Anarana andriamanitra tsy izy izany.
Tamin'izany fanontaniana fampisainana izany no nitenan'i Jefta mafy ny mpanajakan'ny Amonita. Azo avadika ho fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. DH: "Tsy tsara noho i Balaka zanak'i Zipora, izay mpanjakan'i Moaba ianao."
Anaran-dehilahy ireo.
Tamin'izany fanontaniana fampisainana izany no nitenan'i Jefta mafy ny mpanajakan'ny Amonita. Azo avadika ho fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. DH: "Mbola tsy sahy niady hevitra tamin'i Israely izy."
Tamin'izany fanontaniana fampisainana izany no nitenan'i Jefta mafy ny mpanajakan'ny Amonita. Azo avadika ho fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. DH: "Na nanangan'ady tamin'izy ireo.''
Nanohy ny resany ireo mpitondra hafatr'i Jefta.
''300 taona''
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 11:19 ny anaran'ireo tanàna ireo.
Anaran-tanàna izany.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 11:12 ny anaran'izany tanàna izany.
Tamin'izany fanontaniana fampisainana izany no nitenan'i Jefta mafy ny mpanajakan'i Amonita. Azo avadika ho fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. DH: "Tokony nentinareo niverina izy ireo tamin'izany fotoana izany" na "efa tara loatra; tokony efa ela ianareo no nitondra azy ireo niverina."
Niresaka tamin'i Sihona i Jefta. Eto i Jefta dia manao ireo Israelita ho toy ny tenany ihany ary ireo Amonita ho toy ny Sihona mpanjakan'izy ireo. DH: "Tsy nanao ratsy anareo ireo Israelita, fa ny vahoakanao kosa no manao ratsy ahy amin'ny fanafihana ahy
Izany dia fomba fiteny. DH: "nanao fitondrana ratsy anao ... nanao fitondrana ratsy ahy ianao" na "nanao fitondrana tsy rariny anao ... nanao fitondrana tsy rariny taminao ... nanao fitondrana rariny tamiko"
Izany dia fomba fiteny izay midika fa nanome hevitra an'i Jefta ilay Fanahy. DH: "Nanapaka tao amin'i Jefta ny Fanahin'i Yaveh" (UDB)
Nandalo teo amin'ireo toerana nindramina mba handalovanireo miaramila sy ny vahoakan'i Amona handeha hiady i Jefta. Azo adika mazava kokoa ny dika fenon'izany. DH: "nanangona ireo lehilahy miaramilany izy raha nandalo an'i Gileada sy Manase ... avy ao Mizpa an'i Gileada"
Izany dia fomba fiteny izay midika hoe manome zavatra hatao fanatitra. DH: "hatolotro ho anao izany" na "hanao sorona izany ho anao aho"
Satria i Jefta no lehiben'ny miaramila, dia natao bango tokana amin'ny hoe "Jefta" izy sy ny miaramilany. DH: "Ary dia nandalo teo amin'ny vahoakan'i Amona i Jefta sy ny miaramilany ... nomen'i Yaveh azy ny fandresena. Nanafika ... izy ireo"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 11:26 ny anaran'izany tanàna izany.
Anaran-tanàna ireo.
"tanàna 20"
Izany dia zava-maneno mitovy amin'ny amponga velezina ary misy koritsam-by manodidina azy mba hampaneno azy rehefa akoritsana.
Izany fihetsika izany dia entina maneho fisaonana na alahelo lehibe. DH: "norovitiny nohon'ny alahelo ny akanjony"
Niteny izany i Jefta mba hanasongadinany fa nalahelo mafy izy"
Ny alahelo lehibe an'i Jefta dia resahiny toy ny zavatra manorotoro azy. DH: "Nahatonga ahy alahelo mafy ianao" na "Nofenoinao alahelo aho"
Eto dia miresaka ny fijaliany lehibe sy olany toy ny fanaintainana i Jefta. DH: "lasa olona mampahory ahy ianao" na "mahatonga ahy hijaly loatra ianao"
Izany dia fomba fiteny. Ny hoe "miverina amin'ny fampanantenana'' dia midika hoe tsy manatanteraka izay nampanantenaina. DH: "Tsy maintsy manatanteraka izay efa nampanantenaiko aho" na "Tsy afaka mivadika fampanantenana izay nataoko aho"
Namaly faty ho azy tamin'ny fandresena ireo fahavalony i Yaveh. Azo azavaina misimisy kokoa ny hevitr'izany andian-teny izany. DH: "namaly faty an'ireo fahavalonao ho anao tamin'ny fandresena azy ireo, dia reo Amorita"
Azo adika amin'ny endrika hafa ihany koa izany. DH: "Hazony ho ahy izany fampanantenana izany" na "Hazony izany fampanantenana mahakasika ahy izany"
"hitomany satria virijiny aho" na "hitomany satria tsy hanambady na mihitsy"
Izany dia entina ilazana ireo olona avy any Gileada. Jereo ao amin'ny 10:3 ny nandikanao izany.
1 Nisy antso tonga ho an'ireo lehilahin'i Efraima; namakivaky an'i Zafona izy ireo sady niteny tamin'i Jefta hoe: "Nahoana ianao no nandeha hiady amin'ny vahoakan'ny Amona ary tsy miantso anay hiaraka aminao? Hodoranay ianao sy ny tranonao." 2 Hoy i Jefta tamin'izy ireo hoe: "Izaho sy ny vahoakako dia nanana fifandirana lehibe tamin'ireo vahoakan'i Amona. Tamin'ny niantso anao aho, dia tsy namonjy ahy teo amin'izy ireo ianao. 3 Rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianao, dia napetrako tamin'ny tanjako manontolo ny fiainako ary namakivaky ny vahoakan'i Amona aho, ka nomen'i Yaveh ahy ny fandresena. Nahoana ianao no tonga hiady amiko ankehitriny? 4 Nampivorin'i Jefta niaraka ny lehilahy rehetra tao Gileada ka niady tamin'i Efraima izy. Nanafika an'ireo lehilahin'i Efraima ireo lehilahin'i Gileada satria hoy izy ireo hoe: "Ianareo Gileadita dia mpandositra any Efraima—ao Efraima sy Manase." 5 Nosamborin'ireo Gileadita ireo fitàn'i Jordana mankany Efraima. Raha misy amin'ireo sisa velona miteny hoe: "Avelao aho hiampita ny renirano," dia hiteny azy ireo lehilahin'i Gileada hoe: Efraimita ve ianao?" raha miteny izy hoe: "Tsia" 6 dia hiteny aminy izy ireo hoe: "Tonony hoe: Shiboleta," ary raha miteny izy hoe: "Siboleta" (satria tsy nahay nanonona ilay teny mazava izy), dia hosamborin'ireo Gileada izy ary hovonoina eo amin'ny fitàn'ny Jordana. Roa arivo sy efatra alina ireo Efraimita novonina tamin'izany fotoana izany. 7 Niasa toy ny mpitsara nanerana an'i Israely nandritra ny enina taona i Jefta. Avy eo dia maty i Jefta ilay Gileadita ary nalevina tao amin'ny iray amin'ireo tanànan'ny Gileada. 8 Taoriany, dia i Ibzana avy ao Betlehema no niasa ho mpitsara an'i Israely. 9 Nanana zanaka lahy telo-polo izy. Nahafoy zanaka vavy telo-polo hampakarina izy, ary nitondra ireo zanaka vavy telo-polo an'ny lehilahy hafa avy any ivelany ho an'ny zanany lahy izy. Nitsara an'i Israely nandritra ny fito taona izy. 10 Maty Ibzana ary nalevina tao Betlehema. 11 Taoriany dia i Elona ilay Zebolonita no niasa toy ny mpitsara an'Israel. Nitsara an'Israely nandritra ny folo taona izy. 12 Maty i Elona ilay Zebolonita ary nalevina tao Aialona tany amin'ny tanin'i Zebolona. 13 Naanaraka azy, dia i Abdona zanaka lahin' i Elela ilay Piratonita no niasa toy mpitsara an'Israely. 14 Nanana zanakalahy efapolo izy ary zafikely lahy telopolo. Nitaingina ampondra fitopolo izy ireo. Ary nitsara an'Israely nadritra ny valo taona izy. 15 Maty i Abdona zanaka lahin'i Elela ilay Piratonita ary nalevina tao Piratona tany amin'ny tanin'i Efraima tany havoan'ny firenen'ireo Amalekita.
Eto ny hoe "antso" dia zo ovaina ho matoanenty. DH: "Niaraka nantsoina ireo lehilahin'i Efraima" na "Niaraka nantsoin'ireo lehilahin'i Efraima ireo miaramilany''
Anaran-tanàna izany.
na "nandeha namakivaky ... nandeha" na "nandalo an'i ... nandeha"
Izany fomba fiteny izany dia midika hoe mandoro ny trano sy ireo olona ao anatiny. DH: "Hodoranay ny tranonao raha ianao mbola ao anatiny iny"
Eto ny teny hoe "anareo'' dia manondro ny vahoakan'i Efraima.
Eto i Jeftana dia manondro ny vahoakan'i Gileada ho izy ihany. DH: "tsy namonjy anay."
Ny teny hoe "ianareo" dia manondro ireo lehilahin'i Efraima. Ny vahoakan'i Gileada, anisan'izany koa izy no tian'i Gileada lazaina, tamin'izy nanao hoe: "tsy namonjy anay ianareo"
Izany fomba fiteny izany dia midika hoe manao vy very ny ainy ary mitoky amin'ny tanjany irery ihany. Mbola milaza ireo vahoakan'i Gileada ho toy ny tenany ihany i Jefta. DH: "Izahay dia nanao vy very ny ainay, niankina tamin'ny herinay manokana"
Milaza ny nanomezan'i Yaveh fandresena ireo lehilahin'i Gileada teo amin'ireo Amonita i Jefta. Ny dika fenon'izany fehezanteny izany dia azo atao tahaka izao. DH: "Nanome fandresena ahy teo amin'izy ireo i Yaveh" na "Namela anay nandresy azy ireo tamin'ny ady i Yaveh"
Ny teny hoe "izy" dia manondro an'i Jefta sy ireo lehilahin'i Gileada. DH: "niady tamin'i Efraima izy ireo"
Ny teny hoe "ianareo'' dia manondro ireo lehilahin'i Efraima. Eto dia ireo vahoakan'i Gileada no resahin'i Jefta, ary anisan'izany koa izy, raha nilaza hoe: DH: "Nahoana ianareo no tonga hiady aminay ...?
Azonao adika mazava ny hevitr'izany teny mandratra izany. DH: "Ianareo Gileadita dia tsy tena avy eto. Tonga eto ianareo mba hipetraka fotsiny ihany"
Izany dia midika fa niady tamin'ireo Amonita izy ireo raha namakivaky an'i Amona. Azo adika mazava kokoa ny dika fenon'izany andian-teny izany. DH: "niady tamin'ny vahoakan'i Amona raha namakivaky ny faritan'izy ireo izahay"
"olona avy ao Gileada"
"any amin'ny faritr'i Efraima sy Manase'' na "any amin'ny tanin'i Efraima sy Manase." Eto ny hoe "Efraima" sy "Manase" dia ireo faritra izay nampitondraina ny anaran'ireo foko mipetraka ao.
"tanin'i Efraima"
"Nofehezin'ireo Gileadita" na "Nosahanin'ireo Gileadita"
Izany dia toerana fiampitàna eny ambony rano
"olona avy amin'ny fokon'i Efraima"
Tsy fantatra mazava ny tena hevitr'ireo teny ireo. Adikao amin'ny fiteninao ireo teny ireo, ary aoka tsy hovaina ny litera voalohan'ny teny dia ny "Sh" sy ny "S" izany.
"teneno"
"42.000"
Azo adika tahaka izao ihany koa izany. DH: "Namono Eframaita roa arivo sy efatra alina izy ireo"
Azo adika tahaka izao ihany koa izany. DH: "maty i Jefta ilay Gileadita ary nalevin'izy ireo"
Izany dia anarana lehilahy iray avy ao Betlehema.
Eto ny hoe "Nahafoy... hampakarina" dia fomba fiteny izay midika hoe "navelany hanambady ireo zanany vavy." DH: "Nanana zanaka vavy telopolo izy ary samy notolorana vady izy ireo"
Ny fomba fiteny hoe "nitondra azy ireo avy any ivelany" dia midika fa nanana vehivavy avy any amin'ny foko hafa ho vadin'ireo zanany izy. DH:"Nanolotra zanaka vavy telopolon'ny lehilahy hafa avy any ivelany ho an'ny zanany lahy izy"
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Nalevin'izy ireo tao Betlehema izy"
Anaran-dehilahy izany.
olona avy amin'ny fokon'i Zebolona
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 1:34 ny anaran'izany toerana izany.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Nalevin'izy ireo tao Aialona izy"
Anaran-dehilahy ireo.
Piratona dia anaran-toerana, ny olona avy ao amin'izany toerana izany dia antsoina hoe Piratonita.
Nanana ampondra fitopolo ireo lehilahy ireo, notaingenan'izy ireo izany. Eto ny teny hoe "nitaingina" dia nampiasaina teo amin'ny toeran'ny teny hoe "nanana." DH: "Nanana ampondra fitopolo izy ireo"
"zanakalahy 40 ... zafikely lahy 30 ... ampondra 70"
1 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh indray ny vahoakan'i Israely, ka natolony teo an-tanan'ireo Filistina nandritra ny efapolo taona izy ireo. 2 Nisy lehilahy iray avy any Zora, avy amin'ny fianakavian'ireo Danita, Manoa no anarany. Tsy afaka nitoe-jaza ny vadiny ka dia tsy niteraka izy. 3 Niseho tamin-dravehivavy ny anjelin'i Yaveh ka nanao taminy hoe: "Indro ankehitriny, tsy afaka nitoe-jaza ianao, ary tsy niteraka, nefa hitoe-jaza ianao ary hiteraka zazalahy. 4 Ary mitandrema mba tsy hisotro divay na zava-pisotro mahery, ary aza mihinana zavatra maloto. 5 Indro, hitoe-jaza ianao ary hiteraka zazalahy. Tsy hisy hareza ampiasaina amin'ny lohany, satria Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza, ary izy no hanomboka hanafaka ny Israely eo an-tanan'ireo Filistina." 6 Ary tonga ravehivavy ka niteny tamin'ny vadiny hoe: "Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tamiko, ary toy ny anjelin'Andriamanitra ny fahitana azy, tena mampitahotra. Tsy nanontany azy izay niaviany aho, ary tsy nilaza tamiko ny anarany izy. 7 Dia hoy izy tamiko hoe: "Indro! Hitoe-jaza, ary hiteraka zazalahy ianao. Koa noho izany dia aza misotro divay na zava-pisotro mahery, ary aza mihinana sakafo izay ambaran'ny lalàna fa maloto, satria ny zaza dia ho Nazarita ho an'Andriamanitra manomboka amin'ny fotoana maha ao am-bohoka azy ka hatramin'ny andro hahafatesany." 8 Dia nivavaka tamin'i Yaveh i Manoa ka nanao hoe: "Tompo o, mba avelao ilay lehilahin'Andriamanitra nirahinao hiverina aminay indray mba hampianarany anay izay tokony ataonay amin'ny zaza izay ho teraka tsy ho ela." 9 Namaly ny vavak'i Manoa i Yaveh, ka tonga tamin-dravehivavy indray ny anjelin'Andriamanitra raha nipetraka tany an-tsaha izy. Nefa tsy niaraka taminy i Manoa vadiny. 10 Koa nihazakazaka mafy ravehivavy ary nilaza ny vadiny hoe: "Indro! Niseho tamiko ilay lehilahy_ilay tonga tamiko indray andro iny!" 11 Dia nitsangana i Manoa ka nanaraka am- badiny. Rehefa tonga teo amin'ilay lehilahy izy, dia hoy izy hoe: "Ianao ve ilay lehilahy niresaka tamin'ny vadiko?" Dia hoy ralehilahy hoe: "Izaho no izy." 12 Ka dia hoy i Manoa hoe: "Ankehitriny ho tanteraka anie ireo teninao. Inona no ho fitsipika ho an'ilay zaza, ary inona no ho asany?" 13 Hoy ny anjelin'i Yaveh tamin'i Manoa hoe: "Tsy maintsy hanao am-pitandremana ny zava-drehetra izay nolazaiko taminy izy. 14 Tsy afaka mihinana na inona na inona izay avy amin'ny voaloboka izy, ary aza avela misotro divay na zava-pisotro mahery; aza avela mihinana sakafo izay ambaran'ny lalàna fa maloto izy. Tokony hankato ny zavatra rehetra nandidiako azy ho ataony izy." 15 Hoy i Manoa tamin'ilay anjelin'i Yaveh hoe: "Mba mijanona kelikely re, mba hanome fotoana anay hikarakarana zanak'osy ho anao." 16 Hoy ilay anjelin'i Yaveh tamin'i Manoa hoe: "Na dia hijanona aza aho, dia tsy hihinana ny sakafonao akory. Fa raha manomana fanatitra dorana ianao, dia atolory ho an'i Yaveh izany." (Tsy fantatr'i Manoa fa anjelin'i Yaveh izy.) 17 Dia hoy i Manoa tamin'ilay anjelin'i Yaveh hoe: "Iza no anaranao, mba hahafahanay manome voninahitra anao rehefa tanteraka ireo teninao?" 18 Dia hoy ilay anjelin'i Yaveh taminy hoe: "Nahoana no manontany ny anarako ianao? Mahafinaritra izany!" 19 Ary nalain'i Manoa niaraka tamin'ny fanatitra hohanina ny zanak'osy ka natolony teo ambony vatolampy ho an'i Yaveh ireo. Nanao zava-mahagaga izy raha iny nijery iny i Manoa sy ny vadiny. 20 Rehefa niakatra avy teo amin'ny alitara nankany an-danitra ny lela afo, dia niakatra tao anatin'ny lela afon'ny alitara ilay anjelin'i Yaveh. Nahita izany i Manoa sy ny vadiny ary nampiakohoka ny tavan'izy ireo tamin'ny tany. 21 Tsy niseho tamin'i Manoa sy ny vadiny intsony ilay anjelin'i Yaveh. Ary fantatr'i Manoa fa anjelin'i Yaveh izy. 22 Hoy i Manoa tamin'ny vadiny hoe: "Ho faty tokoa isika, satria niseho tamintsika Andriamanitra!" 23 Nefa hoy ny vadiny taminy hoe: "Raha te hamono antsika Andriamanitra, dia tsy nandray ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina nomentsika azy Izy. Tsy tokony nampiseho antsika ireny zavatra rehetra ireny Izy, na namela antsika handre zavatra toy izany amin'izao fotoana izao." 24 Taty aoriana dia niteraka zazalahy ravehivavy, ary nataony hoe Samsona ny anarany. Nihalehibe ny zaza ary nitahy azy i Yaveh. 25 Nanomboka nanetsika azy tany Mahana-dana ny Fanahin'Andriamanitra, teo anelanelan'i Zora sy Estaola.
Eto ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia midika izay fiheveran'Andriamanitra sy ny heritreriny amin'ny zavatra iray. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:11. DH: "izay lazain'i Yaveh fa ratsy ny manao izany"
Eto ny hoe "tanana" dia hery handresena amin'ny ady. DH: "namela ny Filistina handresy azy ireo izy" na "navelany nampijalian'ny Filistina izy ireo"
"40 taona"
Anarana tanan-dehibe tao Israely izany. Tao amin'ny faritr'i Joda akaikin'ny sisin-tanin'i Dana.
olona avy amin'ny fokon'i Dana
Anaran-dehilahy izany.
Izany dia ilazana ny fahaterahan'ny zaza. DH: "hanan-jazalahy"
Ny zavatra izay nolazain'Andriamanitra fa tsy azo hanina dia resahina toy ny hoe tsy madio.
"Mifantoha" na "henoy"
Eto ny teny hoe "loha" dia ilazana ny volony. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Tsy hisy olona hanapaka ny volony"
Antsy maranitra fanaratana volon'doha.
Izany dia midika fa hatokana ho Nazirita an'Adriamanitra izy. DH: "Nazirita natokana ho an'Andriamanitra" na " hatokana ho Nazirita an'Adriamanitra"
Eto ny teny hoe "kibo" dia ilazana ny fotoana izay mbola tsy ahaterahan'ny zaza. DH: "alohan'ny hahaterahany"
Eto ny teny hoe "tanana" dia midika hoe hery. DH: "amban'ny fifehezan'ireo Filistina"
Izany dia midika fa nirahin'Andriamanitra ilay lehilahy. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "lehilahy izay nirahin'Andriamanitra"
Eto ny hoe "mampatahotra" dia midika hoe "mampivarahontsana." DH: "Natahotra mafy aho satria naka endrika anjelin'Andriamanitra izy"
"Mifantoha" na "henoy"
Izany dia ilazana ny fahaterahan'ny zaza. DH: "hanan-jazalahy"
Ny zavatra izay nolazain'Andriamanitra fa tsy azo hanina dia resahina toy ny hoe tsy madio.
Izany dia midika fa hatokana ho Nazirita an'Adriamanitra izy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:3. DH: "Nazirita natokana ho an'Andriamanitra" na " hatokana ho Nazirita an'Adriamanitra"
Izany dia manasongadina fa mandritra ny androm-piainany. DH: "amin'ny fiainany rehetra"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 13:1 izany anaran-dehilahy izany.
Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "tonga tamin'ny vadin'i Manoa"
"Mifantoha" na "Henoy izay holazaiko anao"
Ilay anjelin'Andriamanitra ao amin'ny 13:3 izany. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "ilay lehilahin'Andriamanitra"
Izany dia ilazana izay nolazain'ilay lehilahy. DH: "izay nolazainao"
Eto dia izay sakafo avy amin'ny voaloboka no tian'ilay anjely lazaina. DH: "izay rehetra avy amin'ny voaloboka''
Ny zavatra izay nolazain'Andriamanitra fa tsy azo hanina dia resahina toy ny hoe tsy madio. Jereo ao amin'ny 13:6 ny nandikanao izany andian-teny izany.
Azo adika mazava kokoa izany teny nolazain'i Manoa izany. DH: "hahandro zanak'osy hohaninao"
Ny andian-teny hoe "ireo teninao" dia ilazana izay nambaran'ilay anjely. DH: "tanteraka izay nolazainao"
Nametraka izany fanontaniana izany toy ny fibedesana ilay anjely. DH: "Tsy tokony anontany ny anarako ianao."
Mety hanampy bebe kokoa ny hanazavana ny antony tsy tokony nanontanian'izy ireo ny anarany. DH: "Mahafinaritra anareo loatra ny mahalala izany"
Ny lalàna dia mitaky fa ny fanatitra dorana izay atao dia arahina fanolorana fanatitra hohanina. DH: "miaraka amin'ny fanatitra hohanina miaraka amin'izany'' na "miaraka amin'ny fanatitra hohanina ampiaharahana amin'izany"
"eo ambony alitara." Ny alitara nanaovan'i Manoa ny fanatitra dia vatolampy.
"Nanao zava- ... ilay anjely"
"Niverina niakatra tany an-danitra tamin'y alalan'ilay lela afo teo amin'ny alitara ilay anjelin'i Yaveh''
"miankohoka amin'ny tava eo amin'ny tany." Izany dia mari-panajana sy fanomezam-boninahitra, ary koa fanehoana ny tahotra an'i Yaveh.
Ny teny hoe "izy" dia manondro ilay lehilahy izay hitan'i Manoa sy ny vadiny.
Izany dia midika fa noheverin'izy ireo hahafaty azy Andriamanitra. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "Hahafaty antsika Andriamanitra satria nahita Azy isika"
Naverin'i Manoa indroa izany teny izany mba hisongadina. Azo atao fehezanyeny izay ihany koa izany. DH: "Tsy tokony niteny antsika izay tiany hataontsika Izy"
"vadin'i Manoa"
Entina ilazana ny fahaterahan'ny zaza izany. DH: "nanan-jazalahy"
"lehibe" na "matotra"
Eto ny fomba nitarihan'ny Fanahin'Andriamanitra an'i Samsona dia ampitahaina amin'ny sotro manampy sakafo ao am-bilany. DH: "Nanomboka nitarika an'i Samsona ny Fanahin'i Yaveh"
Mahana-dana dia anarana toby vonjimaika iray izay nonenan'n fokon'i Dana raha mbola nitady trano ipetrahana maharitra izy ireo. Estaola dia anarana tanàn-dehibe.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 13:1 ny anaran'izany tanàana izany.
1 Nidina tany Timna i Samsona, ary nahita vehivavy iray tany izy, izay iray amin'ireo zanaka vavin'ireo Filistina. 2 Rehefa niverina izy, dia niteny tamin'ny ray sy reniny hoe: "Nahita vehivavy iray tao Timna aho, iray amin'ireo zanaka vavin'ireo Filistina. Ary alaivo mba ho vadiko izy." 3 Hoy ny ray sy reniny taminy hoe: "Moa ve tsy misy vehivavy amin'ireo zanaka vavin'ny havanao, na amin'ireo vahoakanao rehetra? Haka vady avy amin'ireo Filistina tsy mifora ve ianao?" Hoy i Samsona tamin'ny rainy hoe: "Alaivo ho ahy izy, fa rehefa nijery azy aho, dia mahafinaritra ahy izy." 4 Fa ny ray sy reniny dia tsy nahalala fa avy amin'i Yaveh izany zavatra izany, satria naniry ny hanangana ady amin'ireo Filistina Izy (satria tamin'izany fotoana izany dia ireo Filistiana no nanjaka tao Israely). 5 Ary nidina tany Timna niaraka tamin'ny ray sy reniny i Samsona, ary nankany amin'ny tanim-boalobok'i Timna izy ireo. Ary, indro, nisy liona tanora iray nanatona ary nierona taminy. 6 Tonga tampoka taminy ny Fanahin'i Yaveh, ary dia nosamahiny mora toy ny manasamaka zanak'osy ilay liona, ary tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Nefa tsy nolazainy tamin'ny rainy na ny reniny izay nataony. 7 Nandeha izy ary niresaka tamin'ilay vehivavy, ary rehefa nijery azy izy, dia nahafinaritra an'i Samsona izy. 8 Andro vitsivitsy taty aoriana rehefa niverina haka vady azy izy, dia nivily lalana izy mba hijery ny fatin'ilay liona. Ary, indro, nisy andian-tantely sy tantely teo amin'ny sisa tavela tamin'ny vatan'ilay liona. 9 Nangoniny teny an-tanany ilay tantely dia nandeha izy, sady nandeha izy no nihinana. Rehefa tonga tany amin'ny rainy sy ny reniny izy, dia nanomeny ampahany izy ireo, ary nihinana. Nefa tsy nolazainy azy ireo fa nalainy teny amin'ny sisa tavela tamin'ny vatan'ilay liona ilay tantely. 10 Nidina tany amin'izay nisy an'ilay vehivavy ny rain'i Samsona, ary nanao fanasana tany i Samsona, satria izany ny fomban'ny tovolahy. 11 Raha vao hitan'ny havan'ilay vehivavy izy, dia nitondran'izy ireo telopolo tamin'ireo namany mba hiaraka aminy. 12 Hoy i Samsona tamin'izy ireo hoe: "Avelao aho anio hiteny ankamantatra aminareo. Raha misy iray aminareo mahita izany ary miteny amiko ny valiny mandritra ny fito andro fanasana, dia homeko rongony fotsy madinika telopolo sy akanjo fisolo telopolo. 13 Fa raha tsy mahalaza amiko ny valiny ianareo, dia homenareo rongony fotsy madinika sy akanjo fisolo telopolo isa aho." Hoy izy ireo taminy hoe: "Lazao anay ny ankamantatrao, mba hahafahanay mandre izany." 14 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Avy ao amin'ny mpihinana no misy zavatra fihinana; avy ao amin'ny matanjaka no misy zavatra malefaka." Saingy tsy nahita ny valiny tao anatin'ny telo andro ireo vahiny nasainy. 15 Tamin'ny andro fahefatra dia hoy izy ireo tamin'ny vadin'i Samsona hoe: "Fitaho ny vadinao mba hilazany aminay ny valin'ilay ankamantatra, raha tsy izany dia hodoranay ianao sy ny tranon'ny rainao. Nasainareo taty mba ho ampahantraina angaha izahay?" 16 Nanomboka nitomany teo anatrehany ny vadin'i Samsona; hoy izy hoe: "Halanao aho! tsy tia ahy ianao! Nanao ankamantatra tamin'ny sasany tamin'ireo vahoakako ianao, fa tsy nilaza tamiko ny valiny." Hoy Samsona taminy hoe: "Jereo aho, raha tsy nilaza tamin'ny raiko na ny reniko aho, dia tokony hiteny aminao ve?" 17 Nitomany nandritra ny fito andro naharetan'ny fanasana izy. Tamin'ny andro fahafito dia nolazainy taminy ilay valiny satria nanery mafy azy izy. Dia nolazainy tamin'ny havan'ny vahoakany ilay valiny. 18 Nialohan'ny niletehan'ny masoandro tamin'ny andro fahafito dia ireo lehilahy teo an-tanàna taminy hoe: "Inona no mamy mihoatra ny tantely? Inona no matanjaka mihoatra ny liona?" Hoy i Samsona tamin'izy ireo hoe: "Raha tsy niray tsikombakomba tamin'ny vadiko ianareo, dia tsy nahita ny valin'ny ankamantatro." 19 Ary tonga tampoka tamin-kery tao amin'i Samsona ny Fanahin'i Yaveh. Nidina tao Askelona i Samsona ary namono telopolo tamin'ny lehilahin'izy ireo. Nalainy ny zavatra nobaboin'izy ireo, ary nomeny ireo izay nanazava ilay ankamantatra ny akanjon'izy ireo. Tamim-pahatezerana mafy, dia niakatra tany amin'ny tranon'ny rainy izy. 20 Natolotra ny namany akaiky azy indrindra ny vadin'i Samsona.
Eto ny teny hoe "nidina" dia ampiasaina satria Timna dia eny amin'ny toerana iva kokoa noho ny fonenan'ireo Ray aman-dreniny. Timna dia anaran-tanàna any amin'ny Saha Soreka.
Ny teny hoe "zanaka vavy" dia fomba mihaja ilazana ny zatovo, ny vehivavy mbola tsy manambady. DH: "iray amin'ireo vehivavin'ny vahoakan'ny Filistina" na "vehivavy Filistina iray"
Izany dia fomba fiteny. Nangataka tamin'ireo Ray aman-dreniny i Samsona mba hiresaka amin'ireo Ray aman-drenin'ilay vehivavy Filisitna mikasika ny fanambadiana. DH: "Ataovy izay hahalasa azy ho vadiko" na "Ataovy ny fifanarahana mba hanambadiako azy!"
Napetrak'izy ireo izany fanontaniana izany mba handrosoana hevitra fa afaka mahita vady ho an'i Samsona ao amin'ny vahoakany izy ireo. Azo atao fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. DH: "Azo antoka fa misy vehivavy azonao alaina vady ao amin'ny vahoakanao."
Ny teny hoe "zanaka vavy" dia fomba mihaja ilazana ny zatovo, ny vehivavy mbola tsy manambady. DH: "iray amin'ireo vehivavy tsy manambady ao amin'ny havanao"
Napetraka izany fanontaniana izany mba hitenena mafy an'i Samsona. Azo atao fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. Azo adika mazava ny antony tsy nanaken'ireo ray aman-dreniny ny hanambadiany Filistina. DH: "Tena tsy tokony hanambady Filistina ianao satria tsy manompo an'i Yaveh ny vahoaka Filistina. "
Izany dia fomba fiteny. Nangataka tamin'ireo Ray aman-dreniny i Samsona mba hiresaka amin'ireo Ray aman-drenin'ilay vehivavy Filisitna mikasika ny fanambadiana. DH: "Ataovy izay hahalasa azy ho vadiko"
Izany dia midika fa noheverin'i Samsona fa tsara tarehy izy. "Mahafinaritra ahy hatsaran-tarehiny" na "tsara tarehy izy"
Izany dia ilazana ny fangatahin'i Samsona ho vady ilay vehivavy Filistina.
Ny teny hoe "Izy" dia manondro an'i Yaveh.
Ny teny hoe "nidina" dia ampiasaina satria Timna dia eny amin'ny toerana iva kokoa noho ny fonenan'ireo Ray aman-dreniny. Timna dia anaran-tanàna any amin'ny Saha Soreka. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 14:1 ny anaran'izany tanàna izany.
Eto ny teny hoe "indro" dia ampiasaina mba hisarihana ny sain'ny mpamaky amin'ny zavatra tsy ampoizina mitranga ao amin'ny tantara. Ny teny hoe "nanatona'' dia midika fa nanakaiky azy ilay liona. DH: "Tampoka teo, dia nisy liona tanora nanakaiky azy"
"nandrahona azy." Izany ny feo avoakan'ny liona rehefa mandrahona ny hamely zavatra iray izy.
Ny teny hoe "tonga'' dia midika fa nitarika an'i Samsona ny Fanahin'i Yaveh. Amin'ity tranga iray ity, dia nataon'i Yaveh natanjaka izy. DH: "Nataon'ny Fanahin'i Yaveh natanjaka be izy"
notriariny
Ny filazana fa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany dia hanasongadinana fa tsy nitàna fitaovam-piadina izy. DH: "tsy nanana fitaovam-piadiana"
Izany dia midika fa noheverin'i Samsona fa tsara tarehy izy. "Mahafinaritra ahy hatsaran-tarehiny" na "Nihevitra izy fa tsara tarehy tokoa izy"
Izany dia midika fa nandao ny lalany izy mba hanao zavatra hafa. DH: "nandao ny lalany izy"
"fatim-biby"
Eto ny teny hoe "indro" dia ampiasaina mba hisarihana ny sain'ny mpamaky amin'ny zavatra tsy ampoizina mitranga ao amin'ny tantara. DH: "Nahita andian-tantely izy"
"biby kely be dia be"
"nalainy"
Ny teny hoe "nidina" dia ampiasaina satria Timna dia eny amin'ny toerana iva kokoa noho ny fonenan'ireo ray aman-dreniny. DH: ''Nidina tany amin'izay toerana nonenan'ilay vehivavy ny rain'i Samsona"
Mety hanampy ny ilazana fa fomba fanao amin'ny fanambadiana izany. DH: "ny fomban'ny tovolahy hampiaka-bady"
"30 tamin'ireo namany"
lalao iray izay ahitana olona mametraka fanontaniana sy mpilalao tsy maintsy mitady ny valin'ilay fanontaniana.
Izany dia midika hoe mahita ny hevitr'ilay ankamantatra. DH: "mahafantatra ny hevitr'izany"
"rongony fotsy madinika 30 sy akanjo fisolo 30"
Eto ny teny hoe "ianareo" dia manondro ireo vahiny nasaina amin'ny fanasana.
karazana akanjo
Niteny ny ankamatany i Samsona. Satria heverina fa sarotra takarina izany, tsy azo adika amin'ny fomba mora izany sao fantatry ny olona mora foana ny heviny.
"Avy ao amin'ny mpihinana no ivoahan'ny zavatra fihinana" na "Ny zavatra fihinana dia mivoaka avy amin'ny zavatra mihinana"
Ny teny hoe "mpihinana," dia anarana azo avadika ho matoanteny. DH: "ny zavatra izay mihinana"
"Ny zavatra malefaka dia mivoaka avy amin'ny zavatra matanjaka"
Entina ilazana zavatra matanjaka izay izany. DH: "zavatra matanjaka"
"ireo olona ao amin'ny fanasany"
Eto ny fahafantarana ny valin'ny ankamantatra dia resahina toy ny hoe zavatra afenina izay tsy maintsy tadiaviny sy karohin'ireo vahiny. DH: "tsy nahafantatra ny valiny"
"ny andro faha 4''
mamitaka na manadala olona amin'ny fanaovana zavatra izay tsy tian'izy ireo atao.
Ny mety ho dikany dia na 1) Ilazana ny trano fonenany. DH: "ny trano izay onenan'ny rainao sy ny ankohonanao" na 2) "trano" ilazana ny olona izay mipetraka ao amin'izany. DH: "ny ankohonanao"
Ny teny hoe "mandoro" dia midika oe mandrehitra tanteraka zavatra iray. Raha misy olona "nodorana," dia midika izany fa nodorana ho faty ilay olona.
Nametraka izany fanontaniana izany izy ireo mba hiampangana azy tamin'ny nanasany azy ireo mba hampahantraina. Azo avadika ho fehezanteny tsotra izany fanontaniana izany. DH: "Nitondra anay aty mba hampahantraina anay ianareo!"
hihamahantra izy ireo raha tsy maintsy mividy akanjo vaovao ho azy, raha tsy hahavaha ilay ankamantatra. DH: "hampahantra anay amin'ny fanerena anay hividy akanjo vaovao ho anao"
Naverin'ny vadin'i Samsona izany teny izany mba hisongadina. DH: "Tsy tena tia ahy ianao"
lalao iray izay ahitana olona mametraka fanontaniana sy mpilalao tsy maintsy mitady ny valin'ilay fanontaniana.
Izany dia fomba fiteny mba hisintonana ny sain'ny olona. Eto ny hoe "jereo'' dia midika hoe "henoy." DH: "Henoy aho" na "Mifantoha amin'izay ho lazaiko"
Nibedy azy Samsona rehefa nangataka taminy ny mba hilazany ny valiny izy. Azo avadika ho fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. DH: "Tsy mbola nilaza tamin'ny raiko sy ny reniko aho. Dia tsy hilaza aminao aho." na "Tsy tokony hangataka ny hilazako izany ianao, satria tsy mbola nilaza tamin'ny ray aman-dreniko aho, ary izy ireo no akaiky amiko kokoa noho ianao."
Ny mety ho dikany dia 1) "nandritra ny fito andron'ny fanasan'izy ireo" na 2) "nandritra ny fito andro faran'ny fanasana."
"ny andro faha 7"
Eto ny teny hoe "nanery" dia midika hoe "nandodona." DH: "Nandodona azy mba hilaza aminy"
Izany dia ilazana ireo havam-badin'i Samsona. Azo adika mazava ihany koa izany. DH: "ireo tovolahy" na ireo "ireo havany''
"ny andro faha 7"
Izany ny valin'ilay ankamantatra. Azo ovaina ho fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. Raha ilaina dia hazava kokoa ny ankamantatra amin'ny fanampiana andinindininy mihoatra. DH: "Mamy ny tantely ary matanjaka ny liona." na "Mamy ny tantely ary avy amin'ny liona no nivoahan'izany."
Nampitahain'i Samsona tamin'ny olona izay mampiasa vadin'olona mba hiasa ho azy ireo ny vadiny izay nampiasain'izy ireo mba hahazoany ny valiny. DH:"raha tsy nampiasa ny vadiko ianareo"
Ny teny hoe "miray tsikombakomba" dia midika hoe "mampiasa" izay mitovy amin'ny hoe mampiasa biby mba hamadika ny bainga hambolena voa.
Ny teny hoe "tonga" dia midika fa nitarika an'i Samsona ny Fanahin'i Yaveh. Amin'ity tranga iray ity, dia nataony tena natanjaka izy. DH: "nataony tena natanjaka Samsona" na "nataony tena nahery Samsona''
"namono 30 tamin'ny lehilahin'izy ireo"
"ireo olona izay nonina tao"
zavatra alaina amin-kery, matetika aorian'ny ady na fifanandrinana.
Anisan'ny zavatra nalainy tao Askelona izany. DH: "ireo akanjo izay nalainy"
"tezitra mafy"
Ny teny hoe "niakatra" dia nampiasaina satria tany Timna izay toerana iva nohon'ny toeram-ponenan'ny rainy i Samsona.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "nomen'ny raim-badiny ho an'ny namany akaiky azy indrindra izy"
"tena namany"
1 Andro maromaro taty aoriana, nandritra ny fotoam-pijinjam-bary, dia naka zanak'osy i Samsona ary nandeha namangy ny vadiny. Hoy izy tamin'ny tenany hoe: "Handeha ho any amin'ny efitranom-badiko aho." Nefa tsy namela azy niditra ny rainy. 2 Hoy ny rainy hoe: "Tena nihevitra aho fa nankahala azy ianao, ka nomeko ny namanao izy. Tsara noho izy ny zandriny vavy, sa tsy izany? Alaivo ho solony izy." 3 Namaly azy ireo i Samsona hoe: "Amin'izany fotoana izany dia tsy hanan-tsiny eo imason'ireo Filistina aho raha manao izay mampalahelo azy ireo." 4 Dia nandeha i Samsona ka nisambotra amboahaolo telonjato ary namatotra azy ireo tsiroaroa, isan-drambony. Avy eo dia naka fanilo izy ka namatotra ireo teo afovoan'ny rambo roa. 5 Rehefa nandrehitra ny fanilo izy, dia namela ireo amboahaolo handeha eny amin'ny vary manirin'ireo Filistina, dia samy nodoran'izy ireo ny vary niangona sy ny vary naniry teny an-tsaha, niaraka tamin'ireo tanim-boaloboka sy ireo tanin'Oliva. 6 Nanontany ireo Filistina hoe: "Iza no nanao izao?" Nolazaina tamin'izy ireo hoe: "Samsona, ilay vinanto lahin'ilay Timnita, no nanao izao satria naka ny vadin'i Samsona ilay Timinita ary nanome azy ho an'ny namany." Dia nandeha ireo Filistina ary nandoro azy sy ny rainy. 7 Ary Samsona nanao tamin'izy ireo hoe: "Raha izany no ataonareo, dia hamaly faty anareo aho, ary rehefa vita izany, vao hijanona aho." 8 Ary notapatapahiny tamin'ny famonoana lehibe, ny valahany sy fen'izy ireo. Ary nidina izy ka nonina tao anaty lava-bato tao amin'ny hantsan'i Etama. 9 Ary niakatra ireo Filistina ka niomana ho amin'ny ady tany Joda ary nanangana ny tafik'izy ireo tany Lehy. 10 Ireo lehilahin'i Joda nilaza hoe: "Nahoana ianareo no niakatra hanafika anay?" Hoy izy ireo hoe: "Manafika izahay mba hahafahanay misambotra an'i Samsona, ary hanao aminy tahaka izay nataony taminay." 11 Ary nisy olon'i Joda telo arivo nidina tao amin'ny lava-baton'ny hantsan'i Etama, ary niteny tamin'i Samsona izy ireo hoe: "Moa ve ianao tsy mahafantatra fa ireo Filistina no mpanapaka eo amintsika? Inona izao nataonao taminay izao?" Namaly azy ireo i Samsona hoe: "Izay nataon'izy ireo tamiko, dia toy izany ihany koa no nataoko tamin'izy ireo." 12 Hoy izy ireo tamin'i Samsona: "Nidina izahay mba hamatotra anao sy hanolotra anao eo am-pelatanan'ireo Filistina. Ary Samsona niteny tamin'izy ireo hoe: "Mianiana amiko fa tsy ianareo no hamono ahy." 13 Hoy izy ireo taminy hoe: "Tsia, hamatotra anao amin'ny tady fotsiny izahay ary hanolotra anao eo amin'izy ireo. Mampanantena izahay fa tsy hamono anao." Dia namatotra azy tamin'ny tady roa vaovao izy ireo ary nitondra azy niakatra avy tao amin'ny vato. 14 Rehefa tonga tany Lehy izy, dia nihorakoraka ireo Filistina raha vao nifanena taminy. Tonga taminy tamin-kery ny Fanahin'i Yaveh. Ireo tady teo amin'ny sandriny dia tonga tahaka ny lamba rongony may, ka nilatsaka avy teny amin'ny tanany. 15 Nahita valanoranon'ampondra vaovao i Samsona, ka naka izany ary namono arivo lahy tamin'izany. 16 Ary Samsona nilaza hoe: "Tamin'ny valanoranon'ampondra no namonoko arivo lahy, isan'antontany avy." 17 Rehefa tapitra ny tenin'i Samsona, dia natsipiny ilay valanorano, ary niantsoiny hoe Ramata Lehy ilay toerana. 18 Nangetaheta mafy i Samsona ka niantso an'i Yaveh ary niteny hoe: "Nanome an'ity fandresena lehibe ity tamin'ny mpanomponao Ianao. Kanefa ankehitriny kosa moa ve ho fatin'ny hetaheta aho ka ho lavo eo an-tanan'ireo izay tsy voafora?" 19 Nanasaraka ilay toerana babangoana izay tany Lehy ka nisy rano nivoaka. Rehefa nisotro izy, dia niverina ny heriny ary velombelona indray izy. Koa nantsoiny hoe En-Hakore ilay toerana, ary izany dia any Lehy mandrak'ankehitriny. 20 Nitsara an'Israely nandritra ny roapolo taona i Samsona tamin'ny andron'ireo Filistina.
Izany dia midika fa niheritreritra izy. DH: "Niheritreritra ny tenany izy"
Nikasa ny hiara-mandry amin'ny vadiny i Samsona. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "Ho any an-tranom-dadiko aho, ka hiara-mandry izahay''
Manampy kokoa ny fanampiana teny hafa. DH: "tsy namela azy niditra tao amin'ny efitranony"
Izany dia midika fa nomeny mba ho vadin'ny namany izy. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "ka nomeko mba ho vadin'ny namanao izy"
Nametraka izany fanontaniana izy mba haneken'i Samsona ny heviny. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Mino aho fa manaiky ianao."
Nanoro an'i Samsona mba haka azy ho vady izy. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "Alaivo ho solon'ny vadinao izy"
Mihevitra i Samsona fa tsy hanan-tsiny izy raha manafika an'ireo Filistina satria nandiso azy izy ireo. Azo adika mazava kokoa izany. DH: "Tsy hanan-tsiny aho raha manao izay mampalahelo azy ireo satria efa nandiso ahy izy ireo"
"amboahaolo 300"
Ny amboahaolo dia tahaka ny amboa izay manana rambo lava ary mihinana vorona sy biby madinika samy hafa.
zavatra roa miaraka, toy ny amboahaolo roa
"tamin'ny rambony"
Ny fanilo dia hazo lavalava misy zavatra fandrehitra miraikitra eo amin'ny tendrony, ny fanilo dia ampiasaina hitsilovana zavatra na entina hanazava.
vary mbola maniry amin'ny tahony eny an-tsaha
fehezam-bary efa voajinja sy voaangona.
toerana fambolena hazo fihinam-boa .
Ny vadin'ny zanakavavy dia atao hoe "vinanto lahy"
Ny olona avy any Timna.
Nomen'ny rain'ny vadin'i Samsona ho vadin'ny naman'i Samsona ravehivavy. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "naka ny vadin'i Samsona ary namela azy hanambady ny naman'i Samsona"
Ny teny hoe "nandoro" dia midika hoe mandrehitra zavatra iray tanteraka. Raha misy olona iray "nodorana," dia midika izany fa nodorana ho faty ilay olona.
"nanao tamin'ireo Filistina hoe"
"satria nanao izao ianareo"
Eto ny hoe "valahina sy fe" dia ilazana ny vatana manontolo. Izany no fanoritsoritana an-tsary ny namonoan'i Samsona ireo Filistina. DH: "Norasarasainy ny vatan'izy ireo"
Eto ny ny teny hoe "nidina" dia tsy midika loatra hoe midina amin'ny toerana iva, fa fomba iray hilazana olona iray mifindra toerana. DH: "lasa izy"
zohy anaty havoana na tendrombohitra
toerana avo dia avo, haram-bato na tendrombohitra
Izany dia anarana haram-bato akaikin'i Jerosalema.
Ny teny hoe "niakatra" dia nampiasaina satria nankany Joda izay toerana avo noho ireo toerana avy nandehanany ireo Filistina.
"nifandamina ho amin'ny ady"
Izany dia anarana tanàn-dehibe iray ao Joda.
Nampitahain'ireo Filistina tamin'ny fomba namonoan'i Samsona ireo Filistina maro ny fomba tian'izy ireo hamonoana azy. DH: "vonoy tahaka ny namonoany ny vahoaka marontsika izy"
"olon'i Joda 3.000"
Adikao tahaka ny nandikano azy ao amin'ny 15:7 izany anrana izany.
Nametraka izany fanontaniana izany tamin'i Samsona ireo lehilahin'i Joda mba hibedesana azy. Azo atao fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. DH: "Fantatrao fa ireo Filistina no mpanapaka eo amintsika nefa ianao mihevitra azy ireo tsy toy izany. Nitera-doza taminay ny nataonao."
Nambaran'i Samsona fa satria namono ny vadiny izy ireo dia novonoiny mba ho valy fatiny kosa izy ireo. DH: "Novonoin'izy ireo ny vadiko, noho izany dia novonoiko izy ireo."
Eto ny hoe "tanana" dia midika hoe hery. DH: "eo amin'ny fifehezan'ny Filistina"
Izany dia midika hoe hahatonga olona ho eo ambany fifehezan'olona hafa. DH: ''hanome anao an'ireo Filisitna"
Izany dia ilzana ny lava-bato eny amin'ny hantsan'i Etama izay nandehanan'i Samsona ao amin'ny 15:7. Eto ny andian-teny hoe "niakatra avy tao" dia midika fa nentin'izy ireo niakatra lavitry ny lava-bato izy. DH: "lavitry ny lava-bato tao amin'ny vato mitomban-davana"
Tsy nandeha irery i Samsona, nentin'ireo lehilahy izay namatotra azy tamin'ny tady izy. DH: ''Rehefa tonga ... izy ireo"
Anarana tanan-dehibe ao Joda izany. Jereo ao amin'ny 15:9 ny nandikanao izany.
Ny hoe "tonga tami-(ny)" dia midika fa nitarika an'i Samsona ny Fanahin'i Yaveh. DH: "nampatanjaka an'i Samsona"
Notapahin'i Samsona mora foana ireo tady teo amin'ny tanany. Ny mpanoratra dia namariparitra ny fomba nanapahany mora foana ireo tady tamin'ny filazana fa tonga tahaka ny lamba rongony may ireo. DH: "Notapahany mora foana tahaka manapaka lamba rongony may ireo tady teo amin'ny tanany" (UDB)
kofehy avy amin'ny rongony fanamboarana akanjo.
Izany dia midika fa maty vao aingana ilay ampondra ary tsy mbola simba ny taolany. Ny valanorana dia ilay taolana ambany misy ny foto-nify.
"1.000 lahy"
"valanoranon'ampondra"
Izany andian-teny izany dia manoritsoritra ny hamaron'ireo olona novonoin'i Samsona. Ampy navangongo ireo fatin'olona maro be. DH: "nahavita nanangona fatin'olona mivangongo aho"
Anaran-toerana izay midika hoe "Havoana Valanorano" izany
"nila rano ho sotroina"
Ny mety ho heviny 1) Mangetaheta mafy Samsona ka mety ho faty izy. DH: "Kanefa ankehitriny kosa dia ho fatin'ny hetaheta aho ary lavo ny vatako" 2) Nohon'ny hetahetan'i Samsona dia nanontany tena izy sao dia ho fatin'ny hetaheta. DH: "Kanefa ankehitriny kosa moa ve ianao hamela ahy ho reraka mafin'ny hetaheta ka ho lavo aho"
Izany dia midika hoe maty satria tsy nisotro rano ianao ary noho izany, dia tsy ampy ny rano ny vatanao.
Ny andian-teny hoe "lavo eo an-tanan-" dia midika hoe voasambotra. "Ireo izay tsy voafora" dia ilazana ireo Filistina ary ny hoe "tsy voafora" dia hanasongadinana fa tsy manompo an'i Yaveh izy ireo. DH: "ho voasambotr'ireo Filistina tsy manana andriamanitra"
"miady lavaka eo amin'ny tany" na "manokatra toerana iva." Izany dia ilazana toerana iva izay namoahan'i Yaveh loharano.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 15:9 izany.
Mitovy ihany ny hevitr'ireo andian-teny roa ireo ary izany dia atao mba hanasongadinana fa tonga matanjaka indray i Samsona. Azo atambatra ho fehezanteny iray ihany koa izany. DH: "tonga natanjaka indray izy" na "velombelona indray izy"
Izany dia anarana loharano. Izay midika hoe "loharanon'ilay nivavaka."
Midika izany fa tsy ritra ilay loharano fa mbola ao. Ny andian-teny hoe "mandrak'ankehitriny" dia ilazana ny fotoana ankehitriny. DH: "mbola hita any Lehy izany, eny na dia amin'izao fotoana izao aza" (UDB)
Izany dia ilazana ny fotoana nifehezan'ireo Filistina ny tanin'i Israely. DH: "nandritra ny fotoana nifehezan'ireo Filistina an'i Israely"
"nandritra ny 20 taona"
1 Nandeha tany Gaza i Samsona ary nahita mpivaro-tena tany, ka niara-nandry taminy izy. 2 Dia nolazaina ireo Gazita hoe: "Tonga teto i Samsona." Nodidinin'ireo Gazita ilay toerana, niandry azy teo amin'ny vavahadin'ny tanàna nandritra ny alina tontolo izy ireo. Nitazona ny fahanginana nandritra ny alina tontolo. Niteny izy ireo hoe: "Avelao izahay hiandry mandra-pahazavan'ny andro, ary avy eo avelao izahay hamono azy." 3 Nijanona teo am-pandriana i Samsona mandram-pisasaky ny alina. Tamin'ny sasak'alina dia nifoha izy ary nobatainy ilay vavahady sy ny tolànany roa. Nongotany niala tamin'ny tany ireo, ny hidiny sy ny rehetra, napetrany teo an-tsorony izany, ary nentiny niakatra tany an-tampon'ny havoana ireo, teo anoloan'i Hebrona. 4 Taorian'izay, dia nitia vehivavy iray izay nipetraka tany an-dohasahan'i Soreka i Samsona. Delila no anarany. 5 Tonga teo aminy ireo mpanapak'ireo Filistina, ary nilaza taminy hoe: "Fitaho Samsona mba hahitana izay misy ny tanjany lehibe, sy ny fomba handresenay azy, mba hahafahanay mifehy azy hanalana baraka azy. Ataovy izany, dia omenay tsirairay avy 1. 100 sekely volafotsy ianao." 6 Ary hoy i Delila tamin'i Samsona hoe: "Miangavy re, lazao ahy ny mahatonga anao tena matanjaka, ary ahoana no hahafahan'ny olona mamatotra anao, ka ho voafehy ianao? 7 Hoy i Samsona taminy: "Raha fatoran'izy ireo amin'ny tady vaovao fito izay tsy mbola namainina aho, dia lasa malemy aho ary ho tahaka ny lehilahy hafa rehetra." 8 Ary nitondra tady vaovao fito izay tsy mbola namainina ho an'i Delila ireo mpanapak'ireo Filistina, ary nofatorany tamin'ireo Samsona. 9 Ary nanana lehilahy miafina am-pahanginana, izay niandry tao amin'ny efitranony anatiny izy. Hoy izy taminy hoe: "Eo aminao ireo Filistina, ry Samsona!" Nefa notapahiny tahaka ny tadi-kofehy mikasika afo ireo tady. Ka tsy fantatra izay tsiambaratelon'ny tanjany. 10 Ary hoy Delila tamin'i Samsona hoe: "Izao ny fomba namitahanao ahy sy nilazanao lainga amiko. Miangavy re, lazao ahy hoe ahoana no hahafahana mandresy anao." 11 Hoy izy taminy hoe: "Raha fatoran'izy ireo amin'ny tady vaovao izay mbola tsy nampiasaina ho amin'ny asa aho, dia halemy aho ary ho tahaka ny lehilahy hafa rehetra." 12 Dia naka tady vaovao i Delila ary namatotra azy tamin'ireo, sady nilaza taminy hoe: "Eo aminao ireo Filistina, ry Samsona!" Ilay lehilahy niandry dia tao an'efitranony anatiny. Nefa notapahin'i Samsona tahaka ny poti-kofehy ireo tady teo amin'ny sandrin. 13 Hoy i Delila tamin'i Samsona hoe: "Hatramin'izao ianao dia mbola namitaka ahy ary nilaza lainga tamiko. Lazao ahy hoe ahoana no mety handresena anao." Fa hoy i Samsona taminy hoe: "Raha zairinao ao amin'ny lamba eo amin'ny fanjairana ny vonan'ny voloko miisa fito, ary avy eo dia fantsio eo amin'ny fanjairana izany, dia ho toy ny lehilahy hafa rehetra aho." 14 Raha natory izy, dia nozairin'i Delila tamin'ny fanjairana ny foto-bolo fito tamin'ny volony ary namantsika izany teo amin'ny fanjairana izy, dia hoy izy taminy: "Eo aminao ireo Filistina, ry Samsona!" Nifoha tamin'ny torimasony izy ary nongotany teo amin'ny fanjairana ilay lamba sy ilay tsatoka. 15 Hoy izy taminy hoe: "Ahoana no hahafahanao miteny hoe: 'Tiako ianao,' raha tsy hizara ireo tsiambaratelonao amiko ianao? Namitaka ahy intelo ianao ary tsy nilaza tamiko ny nahazoanao izao tanjaka lehibe izao." 16 Isan'andro dia nanery azy mafy tamin'ireo teniny ravehivavy, ary nanery azy mafy ny mba haniriany ho faty. 17 Dia nolazain'i Samsona taminy ny zavatra rehetra ary hoy izy taminy hoe: "Mbola tsy notapahina tamin'ny hareza mihintsy ny volon-dohako, satria izaho dia Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko. Koa raha haratana ny lohako, dia hiala amiko ny heriko, ary halemy aho ka ho toy ny lehilahy hafa rehetra." 18 Rehefa hitan'i Delila fa nilaza ny marina momba ny zavatra rehetra taminy izy, dia nandefa sy niantso ireo mpanapak'ireo Filistina izy, nanao hoe: "Miakara indray, fa efa nolazainy tamiko ny zavatra rehetra." Dia nankany aminy ireo mpanapak'ireo Filistina, nitondra ny volafotsy teny an-tanan'izy ireo. 19 Nataony resy tory teo amin'ny feny izy. Niantso lehilahy iray mba hanaratra ireo vona fito teo amin'ny lohany izy, ary nanomboka nandresy azy izy, satria niala taminy ny heriny. 20 Ary hoy izy hoe: "Eo aminao ireo Filistina, ry Samsona!" Nifoha tamin'ny torimasony izy ary niteny hoe: "Hivoaka tahaka ireo fotoana hafa aho ary hanetsika malalaka ny tenako." Nefa tsy fantany fa efa niala taminy i Yaveh. 21 Nisambotra azy ireo Filistina ary nanaisotra ireo masony. Nitondra azy nidina tany Gaza izy ireo ary namatotra azy tamin'ny rojo varahina. Nanakodia ny fikosoam-bary tany am-pigadrana izy. 22 Fa niverina naniry indray ny volo teo amin'ny lohany taorian'ny nanaratana izany. 23 Niara-nivory ireo mpanapak'ireo Filistina mba hanolotra sorona lehibe ho an'i Dagòna andriamanitr'izy ireo, ary hifaly. Hoy izy ireo hoe: "nandresy an'i Samsona fahavalontsika ny andriamanitsika ary nametraka azy teo ampelan-tanantsika izy." 24 Rehefa nahita azy ny vahoaka, dia nidera ny andriamanitr'izy ireo, satria hoy izy ireo hoe: "Efa nandresy ireo fahavalontsika ny andriamanitsika ary nanome azy ho antsika— ilay mpandrava ny tanànantsika, izay namono ny maro tamintsika." 25 Rehefa nankalaza izy ireo, dia hoy izy ireo hoe: "Antsoy i Samsona, mba hampihomehy antsika." Niantso an'i Samsona hivoaka ny tranomaizina izy ireo ary nampihomehy azy ireo ireo. Nataon'izy ireo nitsangana teo anelanelan'ireo andry izy. 26 Hoy i Samsona tamin'ilay zazalahy izay nitantana ny tanany hoe: "Avelao aho mba hikasika ireo andry izay manohina ny trano lehibe, mba hahafahako miantehitra amin'ireo. 27 Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano. Tao avokoa ireo mpanapak'ireo Filistina rehetra. Teo amin'ny telo arivo teo ho eo ny lehilahy sy vehivavy teo an-tafon-trano, izay nijery an'i Samsona nampiala voly azy ireo. 28 Niantso an'i Yaveh Samsona, ary nanao hoe: "Tompo Yaveh, tsarovy aho! Miangavy re hatanjaho aho amin'ity indray mitoraka ity ihany, ry Andriamanitra, mba hahafahako mamaly indray mandeha ireo Filistina ny amin'ny nanalany ireo masoko roa" 29 Notazomin'i Samsona ireo andry roa teo afovoany izay nanohana ny fanorenana lehibe, ary niankina teo amin'ireo izy, ny andry iray tamin'ny tanany havanana, ary ny iray tamin'ny tanany havia. 30 Hoy i Samsona hoe: "Avelao aho ho faty miaraka amin'ireo Filistina!" Naninjitra ny heriny izy ka nianjera teo amin'ireo mpanapaka sy teo amin'ireo olona rehetra izay tao anatin'izany ilay fanorenana lehibe. Ka ny maty izay novonoiny tamin'izy maty dia mihoatra noho ireo izay novonoiny nandritra ny fiainany. 31 Ary nidina ireo rahalahiny sy ireo ankohonan-drainy rehetra. Naka azy izy ireo, nitondra azy niverina ary nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tany amin'ny toeram-pandevenana an'i Manoa, rainy. Nitsara an'i Israely nandritra ny roapolo taona i Samsona.
Ny andian-teny hoe "niara-nandry taminy" dia fomba mihaja ilazana ny hoe niray ara-nofo. DH: "niray ara-nofo taminy izy" na "niara-natory taminy izy"
Ny teny hoe "Gazita'' dia ilazana ny olona avy any Gaza. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Nisy olona niteny tamin'ny vahoakan'i Gaza"
Izany dia midika fa nisy Gazita maromaro nanodidina ny toerana nipetrahan'i Samsona ary ny sasany niandry teo am-bavahadin'ny tanàna mba tsy hahafany mandeha.
Ny mety ho dikany dia 1) "Tsy nitabataba izy ireo nandritra ny alina" na "Tsy nikasa ny hanafika azy izy ireo nandritra ny alina."
"ny sasaky ny alina"
Ireo no mitazona ny vavahadin'ny tanàna. Ireo tolàna ireo dia mety vita amin'ny vatan-kazo ary alevina lalina amin'ny tany. Mipetaka amin'ireo tolàna ireo ny varavaran'ny vavahadin'ny tanàna.
Ny teny hoe "hidiny" dia mety ho karazana tsanganam-by mavesatra izay mampifandray ny vavahady amin'ny tolàna. Ny varavaran'ny vavahadin'ny tanàna dia mety vita amin'ny andry hazo mavesatra na tsivalam-by.
faritra eo amin'ny vatan'olombelona izay mampifandray ny sandry sy ny vozona amin'ny vatana
Anaran-tanàna izany.
Izany dia anarana lohasaha akaikin'ny tranon'i Samsona.
Mamitaka na manadala olona mba hanaovany zavatra izay tsy hiriany atao.
Izany dia fomba fiteny midika hoe hahafantarana. DH: "hahatakarana" na "hahafantarana"
Izany dia fomba fiteny ilazana ny nihavian'ny tanjany. DH: "Inona no mahatonga azy matanjaka dia matanjaka"
"ny fomba mety handresenay azy"
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "mamatotra anao mba hifehezana anao"
Matetika ny tady dia vita avy amin'ny faritry ny biby, indrindra eo amin'ny faritry ny hoza-pe. Ny andian-teny hoe "tady vaovao" dia ilazana izay avy amin'ny biby voavono vao aingana tsy mbola maina.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "izay mbola tsy maina"
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "izay tsy mbola maina"
"Nofatoran'i Delila tamin'ny tady vaovao Samsona"
Eto dia ampiasaina ho mari-pihatoana ao amin'ny fizotry ny tantara izany teny izany. Eto ny mpanoratra dia milaza ny fampahafantarana fototra mikasika an'ireo lehilahy Filistina izay nandrasan'i Delila hisambotra an'i Samsona.
Manoritsoritra ny nanapahany mora foana ilay tady amin'ny fampitahana izany amin'ny fahatapahan'ny tady rehefa may ny mpanoratra. DH: "Notapahany mora foana tahaka ny manapaka tady may ireo tady" na "Notapahany mora foana tahaka kofehy manify ireo tady"
Mitovy ny hevitry ny teny hoe "mamitaka" sy "mandainga" ary nolazaina izany mba hanasongadinana ny hatezeran'i Delila. D.H: "Namitaka ahy loatra ianao!"
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "hahafahan'ny vahoaka mandresy anao"
Ny andian-teny hoe "eo aminao" dia midika fa efa tonga hisambotra azy izy ireo. DH: "Efa eto ireo Filistina hisambotra anao"
Izany dia midika fa niafina izy ireo ary niandry ny fotoana hanafiana. DH: "niandry mba hanafika azy"
Manoritsoritra ny nanapahany mora foana ilay tady amin'ny fampitahana izany tahaka ny manapaka poti-kofehy ny mpanoratra. DH: "mora foana tahaka ny poti-kofehy"
Mitovy ny hevitry ny teny ho "mamitaka" sy "mandainga" ary nolazaina izany mba hanasongadinana ny hatezeran'i Delila. DH: "Namitaka ahy loatra ianao!"
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "hahafahan'ny vahoaka mandresy anao"
Avy amin'ny teny hoe "manjaitra" na "zaitra," manjaitra zavatra roa mba hitambatra
ampaham-bolo kely mivona
akanjo vita tamin'ny akora natambatra
milina fampiasa mba hanambarana kofehy be dia be hahazoana akanjo
"ay eo dia fantsio eo amin'ny fanjairana ilay lamba"
mandetika fantsika mba hihazona zavatra iray amin'ny toerany
Ny dika fenon'izany andian-teny izany dia azo atao tahaka izao. DH: "halemy toy ny lehilahy rehetra aho"
Ny andian-teny hoe "eo aminao" dia midika fa efa tonga hisambotra azy izy ireo. DH: "Efa eto ireo Filistina hisambotra anao"
Nongotan'i Samsona teo amin'ny fanjairana ilay lamba rehefa nisintona ny volony tamin'ilay fanjairana izy. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "nosintoniny ny volony, niaraka tamin'ilay fanjaitra ary ilay lamba teo amin'ny fanjairana''
Izany dia fantsika vita amin'ny hazo na fendrefesana hanatambarana ny lamba amin'ny fanjairana.
Nametraka izany fanontaniana izany Delila mba hitenenany an'i Samsona fa raha tena tia azy marina izy dia hilaza aminy ireo tsiambaratelony. Azo avadika ho fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. DH: "Mandainga ianao rehefa miteny hoe 'tiako ianao' satria tsy mizara ireo tsiambaratelonao amiko ianao."
Eto ny mpanoratra dia miresaka ny fomba fandresen-dahatr'i Delila an'i Samsona toy ny hoe manery azy mba ho resy lahatra ka hilaza aminy izay tiany ho fantatra. DH: "niezaka mafy mba haharesy lahatra azy ... mandresy lahatra azy mandrakariva"
Eto ny teny hoe "teni-" dia izay nolazain'i Delila tamin'i Samsona. DH: "tamin'ny alalan'izay nolazainy taminy izy"
Manao filaza-masaka, ary fanitarana ny mpanoratra mba hanasongadinana fa nahatsiaro ho fadiranovana i Samsona. DH: "ka fadiranovana tanteraka izy" na "ka nalahelo mafy izy''
Eto ny hoe "zavatra rehetra" dia ilazana ny zavatra rehetra mikasika ny niavian'ny tanjany. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "nolazain-... taminy ny niavian'ny tanjany" na "nolazain-... taminy ny marina" (UDB)
antsy maranitra fanaratana volon-doha
Izany dia midika fa hatokana ho Nazirita an'Adriamanitra izy. Jereo ao amin'ny 13:3 ny fomba nandikanao izany. DH: "Nazirita natokana ho an'Andriamanitra" na " hatokana ho Nazirita an'Adriamanitra"
Eto ny hoe "hatrany an-kibon-dreniko'' dia ilazana ny fiainany manontolo. DH: "ny fiainako manontolo''
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "raha misy olona manaratra ny lohako"
manaratra loha amin'ny hareza
Miresaka momban'ny tanjany toy ny olona handao azy i Samsona. DH: "Tsy hatanjaka intsony aho''
Eto ny teny hoe "hitan-" dia fomba fiteny izay midika hoe mahataka-javatra. DH: "takatr'i Delila" (UDB) na "nahafantatra i Delila"
Eto ny ny andian-teny ohe "zavatra rehetra" dia ilazana ny zavatra rehetra nahatonga an'i Samsona natanjaka. DH: "ny marina momban'ny nahatonga an'i Samsona natanjaka"
Niteny tamin'ireo mpanapaka mba ho avy indray ao amin'izay ipetrahany i Delila. Ny tranon'i Delila dia mety amin'ny toerana avo kokoa noho izay toerana nandehanan'ireo mpanapaka.
Izany dia midika fa nentin'izy ireo ho azy ilay volafotsy izay nampanantenain'izy ireo homena azy raha manampy azy ireo hisambotra an"i Samsona izy. DH: "nitondra ny volafotsy izay nampanantenain'izy ireo homena azy"
"nampatoriany izy"
Izany dia midika fa nampatory ny lohany teo amin'ny feny izy. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "tamin'ny lohany teo amin'ny feny"
Ny atao hoe fe dia ny faritra miakatra ambon'ny ranjo rehefa mipetraka.
Nisy vonam-bolo fito teo amin'ny lohan'i Samsona. Ny vona dia ampaham-bolo kely mivona. Eto dia lazaina fa an'ny lohany ireo vona ireo. DH: "ireo vonam-bolo fito teo amin'ny lohany"
"nifehy azy"
Eto dia heverina ho toy olona handao azy ny herin'i Samsona. DH: "Tsy hatanjaka intsony izy''
Ny andian-teny hoe "eo aminao" dia midika fa efa tonga hisambotra azy izy ireo. DH: "Efa eto ireo Filistina hisambotra anao"
"niharina''
nandositra
Izany dia midika fa nandao azy i Yaveh, dia tsy hatanjaka intsony izy. DH: "Nefa tsy fantany fa efa niala taminy i Yaveh ary tsy hatanjaka mba handresy ireo Filistina intsony izy"
Izany dia midika fa nesorina teo amin'ny lohany ny masony. DH: "nalana ireo masony"
Ny teny hoe "nidina'' eto dia ampiasaina satria nentin'izy ireo tany Gaza izay toerana iva nohon'ny fonenany izay nisamborana azy i Samsona.
"namehy azy tamin'ny rojo varahina" na "namatotra azy tamin'ny fampiasana rojo varahina"
vona eo an-tendron'ny rojo izay mitazona ny gadra eo amin'ny tongony na ny tanany, na izy roa.
"nanosika ny fikosoham-bary hikodia"
Izany dia vato boribory mavesatra lehibe. Raha ny tokony ho izy, dia ny biby vaventy no manakodia ny fikosoam-bary mba hanorotoro ny vary. Eto ireo Filistina dia manala baraka an'i Samsona amin'ny fampanosehana azy izany.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "taorian'ny nanaratan'ireo Filistina izany"
andriamanitra tsy izy an'ireo Filistina
"nandavo"
Eto ny mpanoratra dia miresaka ny maha eo ambany fifehezan'ireo mpanapaka an'i Samsona toy ny zavatra voahazona mafy eo an-tanana. DH: "nametraka azy eo ambany fifehezantsika"
Izany dia ilazana an'i Samsona. Ny teny hoe "mpandrava" dia azo soloinamatoanteny "mandrava". DH: "ilay lehilahy izay nandrava ny tanànantsika"
Eto ny teny hoe "isika'' dia ireo vahoakan'i Filistina. Ireo izay miresaka eto dia tsy anisan'ireo olona novonoin'i Samsona. DH: "izay namono ireo vahoaka marontsika"
Satria gadra i Samsona, dia tsy azo antsoina mivantana izy, fa ny vahoaka no mangataka amin'ireo lehilahy misahana ny fonja mba hitondra azy eo amin'izy ireo. DH: "Antsoy izy ireo mba hitondra an'i Samsona ... Nitondra an'i Samsona ... izy ireo"
"ilay tovolahy" tsy zaza no tiana lazaina fa zatovo.
"Aoka aho mba hikasika ireo andry izay manohina ny trano"
Eto dia ampiasaina ho mari-pihatoana ao amin'ny tantara izany teny izany mandritra ny filazan'ny mpanoratra ny fampahafantarana fototra ny.
"3.000 teo ho eo ny lehilahy sy vehivavy"
"nitazana"
Tsy mazava ny zavatra nataon'i Samsona mba hampiala voly azy ireo. Mety nampanao zavatra manala baraka azy ireo Filistina mba hampifaly azy ireo.
"nivavaka tamin'i Yaveh"
Midika izany hoe mahatsiaro azy amin'ny tranga mahazo azy. DH: ''aza adino aho"
"indray mandeha farany"
Izany fomba fiteny izany dia midika fa te hanafika mafy indray mandeha ireo Filistina izy mba hamaliany faty tanteraka azy ireo ny amin'ny nataon'izy ireo taminy. DH: "mamely indray mandeha ireo Filistina" na "
"izay nihazona ny trano lehibe"
Tamin'ny naninjitra ny sandriny izy dia nanosika ireo andrin'ny trano lehibe. DH: "Nampiasa ny tanjany izy mba hanosehana ireo andry" na "Nampiasa ny tanjany izy mba hampirodana ireo andry"
Izany dia ilazana ireo olona maty. DH: "ny vahoaka maty"
"tsy tambo isaina"
Eto ny teny hoe "ankohonana" dia ilazana ireo havany. DH: "ireo havan-drainy rehetra"
Ny teny hoe "nidina" dia ampiasaina eto satria ny toerana izay avy nandehanan'ireo havan'i Samsona dia avo noho i Gaza.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 13:1 sy 13:24 ny anaran'ireo toerana ireo.
"izay nandevenana an"i Manoa, rainy"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 13:1 izany anaran-dehilahy izany.
Ao amin'ny 15:19 ihany koa izany fehezanteny izany. Naverina izany eto mba hampatsiahivana ny mpamaky ny fotoana nitsaran'i Samsona. DH: '"Nitsara an'i Israely nandritra ny roapolo taona i Samsona talohan'nh nahafetasany"
"20 taona"
1 Nisy lehilahy iray tany amin'ny tany havoan'i Efraima, ary Mika no anarany. 2 Hoy izy tamin'ny reniny: "Ny sekely volafotsy 1. 100 izay nalaina taminao, mahakasika ilay ozona noresahinao, izay reko__indro etoana! Manana volafotsy aho aty amiko. Izaho no nangalatra izany." Dia hoy ny reniny: "Ho tahian'i Yaveh anie ianao, ry zanako!" 3 Naveriny tany amin'ny reniny ny sekely volafotsy 1. 100 ary hoy ny reniny taminy: "Hatokako ho an'i Yaveh ity volafotsy ity, fa hanamboatra sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an'idina ny zanako lahy. Ka ankehitriny, dia averiko aminao ity." 4 Rehefa naveriny tamin'ny reniny ilay vola, dia naka sekely volafotsy roanjato ny reniny ary nomeny ireo mpanefy vy izay nanao ireo ho sarin-javatra voasokitra sy an'idina izany, ary napetraka tao an-tranon'i Mika ireo. 5 Ilay lehilahy hoe Mika dia nanana tranon-tsampy ary nanamboatra efoda sy tokantranon'ireo andriamanitra izy, ary nanakarama iray tamin'ireo zanany lahy izy mba ho lasa mpisorony. 6 Ary tamin'ireo andro ireo dia tsy nisy mpanjaka tany Israely, ary nanao izay marina teo imasony ny olona rehetra. 7 Ary nisy zatovo lahin'i Betlehema iray tany Joda, avy amin'ny fianakavian'i Joda, izay Levita. Nijanona tany izy mba hanatanteraka ireo adidiny. 8 Niala tao Betlehema tao Joda ralehilahy mba handeha ary hitady toerana hipetrahana. Rehefa nandeha izy, dia tonga tany an-tranon'i Mika tany amin'ny tany havoan'i Efraima. 9 Dia hoy Mika taminy: "Avy aiza ny fiavianao?" Ary hoy ralehilahy taminy: "Levita an'i Betlehema tao Joda aho, ary nandia aho mba hitady toerana izay mety honenako." 10 Dia hoy i Mika taminy: "Mijanona eto amiko, ary aoka ianao ho ray sy ho mpisorona ho ahy. Homeko sekely volafotsy folo isan-taona, akanjo fitafy, ary ny sakafonao ianao." Koa dia niditra tao an-tranony ilay Levita. 11 Dia nahafaly an'ilay Levita ny hipetraka miaraka amin-dralehilahy, ary ho an'i Mika dia tonga tahaka ny iray amin'ireo zanany lahy ilay tovolahy. 12 Natokan'i Mika ho an'ny adidy masina ilay Levita, ary lasa mpisorony ilay tovolahy, ary tao an-tranon'i Mika. 13 Ary hoy i Mika: "Fantatro ankehitriny fa hanao soa ho ahy i Yaveh, satria lasa mpisoroko ity Levita ity."
Fomba hampahafantarana olona vaovao iray ao amin'ny fizotry ny tantara izany.
Anaran-dehilahy izany. Tsy ilay lehilahy nanoratra ny bokin'i Mika akory izany.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "izay nalain'ny olona taminao"
"Izaho no naka izany"
Midika izany hoe manolotra zavatra ho an'ny antony manokana. DH: "hatolotro"
vy natsonika ary nararaka ao anaty lasitra mba hahazoana endrika miavaka
"omeko anao indray ity"
"sekely volafotsy 200"
Ny teny hoe ''ireo'' dia manondro ireo sarin-javatra an'idina. DH: "napetrak'i Mika tao an-tranony ireo''
Izany dia trano ampiasaina manokana ho an'ny fanompoan-tsampy. Azo adika mazava tahaka izao izany DH: "trano ho an'ny fanompoan-tsampy"
Eto ny teny hoe "imaso-" dia sarinteny ilazana ny fitsaran'ny olona tsirairay na ny fiheviny. "nanao izay nolazainy fa marina ny olona tsirairay"
"avy any Batlehema"
Midika izany fa nonina teo amin'ny fianakavian'i Joda izy, dia ilay fokon'i Joda izany. DH: "izay nonina tao amin'ny fokon'i Joda"
"Nonina sy niasa tany izy"
"hitady toerana hafa hipetrahana"
Midika izany fa nitady toerana hipatrahana sy hiasana izy. DH: "izay mety hipetrahako sy hananako asa"
Ny teny hoe "ray" eto dia midika hoe mpanolo-tsaina, fa tsy araka ny heviny ara-bakiteny akory. DH: "ho mpanolo-tsaina sy ho mpisorona"
"akanjo voatokana." Azony isan-taona izany. Azo ampiana ny teny tsy ampy. DH: "akanjo fitafy isan-taona"
Midika izany fa nanaiky ny fanomezan'i Mika ilay Levita, ary noho izany, dia niditra tao an-tranony izy. DH: "Koa dia nanaiky ny fanomezany ilay Levita ary niditra tao an-tranony"
Ny fifandraisana nisy teo amin'ilay Levita sy Mika dia tonga fifandraisana akaiky tahaka ny eo amin'ny ray sy ny zanaka. DH: "Lasa nifankahazo am-po tamin'i Mika ilay tovolahy ary tahaka ny iray amin'ireo zanany izy"
Eto ny hoe "natokan-" dia midika hoe "natolotr-'' na "nataon-" DH: "Natolotr'i Mika ... ilay Levita"
Eto ny fipetrahana tao an-tranon'i Mika dia resahina toy ny hoe "ao an-tranony''. DH: "nipetraka tao an-tranon'i Mika"
1 Tamin'izany andro izany dia mbola tsy nisy mpanjaka tao Israely. Nitady faritra honenana ny fokon'ireo taranak'i Dana, satria tamin'izany andro izany dia tsy nahazo lova tamin'ireo fokon'Israely mihitsy izy ireo. 2 Naniraka lehilahy dimy tamin'ireo olona maro be tao amin'ny fokon'izy ireo ny vahoakan'i Dana, lehilahy izay mpiady efa za-draharaha avy amin'i Zora sy Estaola, mba handeha hiaodihaody an-tongotra amin'ilay tany, ary hizaha izany. Hoy izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Mandehana ka zahao ilay tany." Tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima izy ireo, tany amin'ny tranon'i Mika, ka nijanona tao izy ireo ny alina. 3 Rehefa nanakaiky ny tranon'i Mika izy ireo, dia nahafantatra ny firesak'ilay zatovo Levita. Koa dia nijanona izy ireo ary nanontany azy hoe: "Iza no nitondra anao taty? Inona no ataonao aty amin'ity toerana ity? Nahoana ianao no eto?" 4 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Izao no nataon'i Mika tamiko: Nokaramainy ho lasa mpisorony aho." 5 Hoy izy ireo taminy hoe: "Mba anontanio re ny hevitr'Andriamanitra, mba hahafantaranay raha hahomby ny dia izay alehanay." 6 Hoy ilay mpisorona tamin'izy ireo hoe: "Mandehana am-piadanana. Hitarika anareo amin'ny lalana tokony alehanareo i Yaveh." 7 Ary lasa ireo lehilahy dimy ka tonga tao Laisy, ary nahita izy ireo fa niaina am-piadanana ny vahoaka, tahaka ny fomba niainan'ireo Sidoniana, tsy voakorontana sy voaaro. Tsy nisy nambabo na nampahory azy ireo tamin'ny fomba rehetra tao amin'ilay tany. Nonina lavitra an'ireo Sidoniana izy ireo ary tsy nanana fifandraisana tamin'iza na iza. 8 Niverina tany amin'ny fokony any Zora sy Estaola izy ireo. Dia nanontany azy ireo ny havany hoe: "Inona no tatitrareo?" 9 Hoy izy ireo hoe: "Avia! Andao hanafika azy ireo! Efa hitanay ilay tany ary tena tsara izany. Tsy hanao na inona na inona ve ianareo? Aza mitaredretra hanafika sy haka ilay tany. 10 Rehefa mandeha ianareo, dia ho tonga any amin'ny vahoaka izay mihevitra fa tsy manana ahiahy izy ireo, ary midadasika ilay tany! Nomen'Andriamanitra anareo izany— dia toerana iray izay tsy ahitana tsy fahampiana ao amin'ilay tany." 11 Nisy eninjato lahy avy amin'ny fokon'i Dana, mitàna fitaovam-piadiana, nivoaka avy tany Zora sy Estaola. 12 Niakatra izy ireo ary nitoby tao Kiriata-jearima, ao Joda. Izany no antony hiantsoan'ny olona io toerana io hoe Mahane-dana mandrak'ankehitriny; ao andrefan'i Kiriata-jearima izany. 13 Niala tao nankany amin'ny tany havoan'i Efraima izy ireo ary tonga tao amin'ny tranon'i Mika. 14 Dia hoy ireo lehilahy dimy izay nandeha mba hiaodihaody tany amin'ny firenen'i Laisy tamin'ireo havany hoe: "Fantatrareo ve fa ato amin'ireto trano ireto dia misy efoda, terafima, sarin-javatra voasokitra, ary sarin-javatra an'idina? Koa manapaha hevitra ankehitriny ny amin'izay ho ataonareo." 15 Koa nivily tao izy ireo ary tonga tany amin'ny tranon'ilay zatovo Levita, tao an-tranon'i Mika, ary niarahaba azy izy ireo. 16 Ary ireo Danita eninjato, nanana fitaovam-piadiana, dia nitsangana teo amin'ny fidiran'ny vavahady. 17 Ireo lehilahy dimy izay nandeha hisafo ilay tany dia nankany ary naka ilay sarin-javatra voasokitra, ilay efoda, ireo terafima, ary ilay sarin-javatra an'idina, raha nijoro teo amin'ny fidirana eo amin'ny vavahady niaraka tamin'ny lehilahy eninjato mitondra fitaovam-piadiana ilay mpisorona. 18 Rehefa nankao amin'ny tranon'i Mika ireo ka naka ilay sary an'idina, efoda, ireo andriamanitry ny tokantrano, ary ilay sarin-jaratra voasokitra, dia hoy ilay mpisorona tamin'izy ireo hoe: "Inona izao ataonareo izao?" 19 Hoy izy ireo taminy hoe: "Mangina! Ataovy eo amin'ny vavanao ny tananao ary andao hiaraka aminay, ary ho rainay sy mpisoronay ianao. Tsara kokoa ho anao ve ny ho mpisorona ho an'ny tranon'ny lehilahy iray, sa mpisorona ho an'ny foko iray sy fianakaviam-be iray ao Israely?" Faly ny fon'ilay mpisorona. 20 Nalainy ilay efoda, ireo terafima, sy ilay sarin-javatra voasokitra, ary lasa nanaraka ny vahoaka izy. 21 Dia nitodika izy ireo ary lasa. Nataon'izy ireo teo alohany ireo zaza madinika, torak'izany koa ireo biby fiompy sy ny fananan'izy ireo. 22 Rehefa lavitra tsara ny tranon'i Mika izy ireo, dia niara-nantsoina ireo lehilahy izay tao amin'ireo trano akaikin'ny tranon'i Mika, ary tratra niaraka tamin'ireo Danita izy ireo. 23 Niantso mafy ireo Danita izy ireo, dia nitodika izy ireo ary niteny tamin'i Mika hoe: "Nahoana ianareo no niara-nantsoina?" 24 Hoy izy hoe: "Nangalarinareo ireo andriamanitra izay namboariko, nalainareo ny mpisoroko, ary lasa ianareo. Inona sisa no tavela ho ahy? Ahoana no hahafahanareo manontany ahy hoe: 'Inona no mahory anao?'" 25 Hoy ny vahoakan'i Dana taminy hoe: "Tsy tokony hamela anay handre izay rehetra lazainao ianao, raha tsy izany dia hisy olona tezitra mafy hanafika anao, ary ho vonoina ianao sy ny fianakavianao." 26 Ary nanohy ny lalany ireo vahoakan'i Dana. Rehefa hitan'i Mika fa matanjaka loatra ho azy izy ireo, dia nivily izy ary niverina tany an-tranony. 27 Nalain'ny vahoakan'i Dana izay nataon'i Mika, torak'izany ny mpisorony, ary tonga tao Laisy izy ireo, tany amin'ny vahoaka izay tsy voaelingelina sy tsy manana ahiahy ka namono azy ireo tamin'ny sabatra izy ireo ary nandoro ilay tanàna. 28 Tsy nisy na iza na iza nanavotra azy ireo satria lalana lavitra an'i Sidona izany, ary tsy nanana fifandraisana tamin'iza na iza izy ireo. Tany amin'ny lohasaha izay akaikin'ny Beti-rehoba izany. Namerina nanangana ilay tanàna ireo Danita ka nonina tao. 29 Nomen'izy ireo ny anarana hoe Dana ilay tanàna, anaran'i Dana razamben'izy ireo, ilay iray amin'ireo zanaka lahin'Israely. Fa Laisy no anarana nahazatra an'ilay tanàna. 30 Natokan'ny vahoakan'i Dana ho azy ireo ilay sarin-javatra voasokitra. Jonatana zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy, izy sy ireo zanany lahy dia samy mpisoron'ny fokon'ireo Danita hatramin'ny andro nahazoana ilay tany. 31 Ary dia nanompo ny sarin-javatra voasokitra izay nataon'i Mika izy ireo nandritra ny fotoana naha-tao Silo ny tranon'Andriamanitra.
Mampahafantatra fiandohana tranga hafa ao amin'ny fizotry ny tantara izany.
Fampahafantarana fototra mikasika an'i Israely sy ny vahoakan'ny fokon'i Dana izany.
Ny tany lova izay tokony nonenan'izy ireo no resahina eto. DH: "tsy nahazo ny tany lova tamin'ireo"
Ny andian-teny hoe "olona maro be" dia ilazana ireo lehilahy rehetra ao amin'ny foko. DH: " tamin'lehilahy rehetra ao amin'ny foko"
"mpanafika efa za-draharaha"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 13:1 izany anaran-tanàna izany.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 13:24 izany anaran-tanàna izany.
Ny andian-teny hoe "an-tongotra" dia midika hoe mandeha. DH: "hihaodihaody amin'ilay tany amin'ny fandehanana eny amin'izany"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 17:1 izany anaran-dehilahy izany.
Fantatr'izy ireo tamin'ny feony ilay lehilahy. Eto ny hoe "firesaka" dia ilazana ny "feony." DH: "Nandre ilay zatovo Levita niresaka izy ireo, ary fanatr'izy ireo ny feony"
Anaran-tanàna izany.
"Tsy nisy fahavalo izay nipetraka tao amin'ny tanin'izy ireo ka nandresy azy ireo"
"tsy nanana fifandraisana tamin'ireo vahiny." Midika izany fa nonina lavitra ny tanàna hafa izy ireo ary nitoka-monina niataka tamin'ny vahoaka hafa.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 13:1 izany anaran-tanàna izany.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 13:24 izany anaran-tanàna izany.
Izany fanontaniana fampisainana izany dia napetraka tam-panesoana ary midika fa tokony hanao izay mifanohitra amin'izany izy ireo. Azo avadika ho fehezanteny ihany koa izany fanontaniana izany. DH: "Tokony hihetsika amin'izay ianareo!"
Ny teny hoe "aza" sy "mitaredretra" dia manasongadina fa tokony hanafika aingana izy ireo. DH: "Fangàna hanafika!"
"lehibe ilay tany." Fanoritsoritana ny halehiben'ilay tany izany.
Mampiasa filaza-masaka, sy fanitarana ireo lehilahy, mba hanasongadinana fa tena maha te honina ilay toerana. DH: "any amin'izay hahitantsika izay rehetra ilaintsika"
Manasongadina ny hatsaran'ilay toerana izany. DH: "misy ny zava-drehetra''
"600 lahy"
Anarana tanan-dehibe izany.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 13:24 izany anaran-toerana izany.
Midika izany fa mbola zany any izany toerana izany. Ilazana ny fotoana "ankehitriny" izany. DH: "ary mbola izany ihany ny anaran'izany" (UDB)
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 18:7 izany anarana tanàn-dehibe izany.
Nametraka izany fanontaniana izany ireo olona dimy mba hamporisiana ireo lehilahy fa tokony hangalatra ireo sampy izy ireo. Azo avadika ho fehezanteny tsotra izany ary ao anaty fonon-teny ny andinindininy manazava misimisy kokoa. D.H: "ato amin'ireto trano ireto dia ahitana efoda, ... sarin-javatra voasokitra. (Nanome soso-kevitra ireo lehilahy izy ireo mba hangalatra ireo zavatra ireo.) Koa manapaha hevitra ... ho ataonareo
"ato amin'ny iray amin'ireto trano ireo dia" na "amin'ireto trano ireto no''
"nivily izy ireo"
Ny teny hoe "azy" dia manondro an'ilay Levita.
" Danita 600"
"lehilahy 600"
Nametraka izany fanontaniana fampisainana izany izy ireo mba hilazana fa marina izany.Azo avadika ho fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. DH: ''Tsara kokoa ho anao ny ho mpisorona ho an'y foko sy ny fianakaviam-be ao Israely noho ny ho mpisorona ho an'ny tranon'ny lehilahy iray."
Eto ny ''fo'' dia ilazana ilay mpisorona mba hanasongadinana ny fihetseham-pony. DH: "Faly ilay mpisorona"
Toy izany no nataon'izy ireo mba hiarovany ireo zanany. Ka raha manafika azy ireo Mika sy ny vahoakany dia ireo mpiady no ho voa voalohany fa tsy ireo ankizy. DH: "Nataon'izy ireo teo alohany ireo zaza madinika mba hiarovana azy ireo"
"lavitra." Izany dia ilazana ny halavirana kely misy nefa kosa ampy heverina fa nandroso tamin'ny diany izy ireo.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "niara-nantsoiny ireo lehilahy izay tao amin'ireo trano izay teo akaikin'ny tranoy"
Izany dia midika fa niara-nandositra izy ireo. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany
"niherikerika ireo Danita"
Fibedesana izany fanontaniana izany. Azo avadika ho fenezanteny tsotra ihany koa izany. DH: ''Tsy tokony niara-niantsoinareo mba hanenjika anay ireo lehilahinareo."
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH : "niantso ireo lehilahy niaraka"
Tsy i Mika no nanamboatra ireo andriamanitra, fa ireo mpanao asa tanana. DH: "ireo andriamanitra izay namboariko ho ahy" na "ireo andriamanitra izay namboarin'ny mpanao asa tanana ho ahy"
Nametraka izany fanontaniana izany Mika mba hanasongadinany fa tsy manana ireo zavatra izay sarobidy aminy intsony izy. DH: "Tsy manana na inona na inona intsony aho." na "Nalainareo avokoa izay sarobidy tamiko."
Nametraka izany fanontaniana izany Mika mba hanasongadinany fa fantatr'ireo Danita tsara ny maha ory azy. DH: "Fantatro fa mijaly mafy aho!" na "Fantrareo tsara ny fahoriako nohon'ny nataonareo ahy!"
Izany dia ilazana ireo Danita mihaino an'i Mika miresaka izay zava-nitranga, nefa koa manazava izany fa nolazain'ireo hafa tamin'izy ireo fa niresaka izay zava-nitranga izy. DH: "hamela anay hamantatra izay rehetra nolazainao" na " izay rehetra lazainao mikasika izany"
Ny teny hoe "rehetra" dia ilazana izay andinindininy mikasika ireo Danita tonga tao an-tranon'i Mika ka naka ireo sampiny. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "handre izay rehetra lazainao mikasika izany raharaha izany" na "handre izay rehetra lazainao mikasika izay zava-nitranga"
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "hamono anao sy ny fianakavianao"
Izany dia midika fa nanjohy ny diany izy ireo. DH: "nanohy ny diany'' na "nanjohy ny lalany"
Ilazana tanjak'ireo Danita raha hifanandrina amin'i Mika sy ny miaramilany. DH: "matanjaka loatra ho azy sy ireo miaramilany izy ireo raha hifanandrina"
Tsy i Mika no nanamboatra ireo andriamanitra, fa ireo mpanao asa tanana. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "ireo zavatra izay namboarina ho an'i Mika" na "ireo fananan'i Mika"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 18:7 izany.
"tamin'ny sabatr'izy ireo." Eto ny hoe "ny sabatra" dia ireo sabatra sy fitaovam-piadiana hafa nampiasain'ny miaramila tamin'ny ady.
Midika izany fa nonina lavitra ny tanàna hafa izy ireo ary nitoka-monina niataka tamin'ny vahoaka hafa.Jereo ao amin'ny 18:7 ny fomba nandikanao izany andian-teny izany.
Anarana tanàn-dehibe izany.
Izany ny anaran'ilay zatovo Levita izay nanao ny asan'ny mpisorona ho an'i Mika. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Ny anaran'ilay zatovo Levita dia i Jonatana zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy"
Izany dia ilazana ny fotoana taty aoriana izay nambaboin'ireo fahavalony ny vahoakan'i Dana. Eto ny voababo dia resahina toy ny hoe gadra oasambotry ny fahavalony. DH: "hatramin'ny andro izay nahazoan'ireo fahavalony ny tanin'izy ireo" na "hatramin'ny andro izay nisamboran'ny fahavalony azy ireo"
Tsy i Mika no nanamboatra ireo andriamanitra, fa ireo mpanao asa tanana. DH: "ireo zavatra izay namboarina ho an'i Mika" na "izay namboarin'ny mpanao asa tanany ho azy"
1 Tamin'izany andro izany, rehefa tsy nisy mpanjaka tao Israely, dia nisy lehilahy iray, Levita, nivahiny tany amin'ny faritra lavitra indrindra tamin'ny tany havoan'i Efraima. Naka vehivavy ho azy izy, vaditsindrano avy any Betleheman'i Joda. 2 Nefa tsy tokam-po taminy ilay vaditsindranony; nandao azy ravehivavy ary niverina tany an-tranon-drainy tany Betleheman'i Joda. Nijanona tany efa-bolana izy. 3 Ary niarina ny vadiny ka nanaraka azy mba handresy lahatra azy hody. Niaraka taminy ny mpanompony, sy ny ampondra anankiroa. Dia nentiny tany an-tranon-drainy izy. Rehefa nahita azy ny rain'ilay zazavavy, dia faly izy. Ny rafozan-dahiny, 4 ilay rain'ilay zazavavy, dia nandresy lahatra azy mba hijanona telo andro. Nisakafo sy nisotro izy ireo, ary nandany ny alina tao. 5 Nifoha aloha izy ireo tamin'ny andro fahaefatra, ary niomana ny handeha izy, kanefa ny rain'ilay zazavavy niteny tamin'ny vinanto lahiny hoe: "Tohano amin'ny mofo aloha ny tenanao, dia mahazo mandeha ianareo avy eo." 6 Dia nipetraka izy roa ka niara-nihinana sy nisotro. Ary hoy ny rain'ilay zazavavy hoe: "Mba maneke handany ny alina ary mifalia." 7 Rehefa nifoha mba handeha ilay Levita, dia nanery azy hijanona ny rain'ilay zatovovavy, nanova ny drafiny izy noho izany ary nandry tao indray. 8 Tamin'ny andro fahadimy dia nifoha aloha mba hanainga izy, fa ny rain'ilay zazavavy niteny taminy hoe: "Tohano aloha ny tenanao, ary miandrasa mandra-pihilan'ny andro." Ary dia nisakafo izy roa. 9 Rehefa niarina mba hanainga ilay Levita sy ny vadintsindranony ary ny mpanompony, dia niteny taminy ny rafozan-dahiny, ilay rain'ilay zazavavy hoe: "Indro, mandroso miha hariva ny andro. Mijanòna re anio alina, ary mifalia. Afaka mifoha aloha ianareo rahampitso ary mandeha mody." 10 Fa ilay Levita tsy vonona ny handry. Niarina izy ary nandeha. Nandroso nankany Jebosa izy (Jerosalema izany). Nanana ampondra nisy lasely anankiroa izy_ary niaraka taminy ny vadintsindranony. 11 Rehefa nanakaiky an'i Jebosa izy ireo, dia efa nadiva hifarana ny andro, ary ilay mpanompo niteny tamin'ny tompony hoe: "Andao, andeha isika hivily ao an-tanànan'ireo Jebosita ary hatory ao amin'izany." 12 Hoy ny tompony taminy hoe: "Tsy hivily amin'ny tanànan'ny vahiny izay tsy isan'ny vahoakan'i Israely isika. Handroso ho any Gibea isika." 13 Ilay Levita niteny tamin'ilay tovolahiny hoe: "Andao, andeha isika ho any amin'ny iray amin'ireo toerana hafa, ary handany ny alina any Gibea na Rama." 14 Dia nandroso izy ireo, ary nilentika ny masoandro raha nanakaiky an'i Gibea izy ireo, ao amin'ny faritanin'i Benjamina. 15 Nivily tao izy ireo ary natory tao Gibea. Nandeha izy ireo ary nipetraka teo an-kianjan'ny tanàna, fa tsy nisy olona na iray nampiantrano azy ireo ny alina. 16 Fa avy eo dia nisy lehilahy antitra iray nody avy niasa tany an-tsaha iny hariva iny. Avy any amin'ny tany havoan'i Efraima izy, ary nivahiny tao Gibea. Nefa ny olona nipetraka teo amin'ilay toerana dia Benjamita. 17 Nampitraka ny masony izy ary nahita ny mpandeha avy lavitra teo an-kianjan'ny tanàna. Hoy ilay lahy antitra hoe: "Ho aiza ianareo? Ary avy aiza ny fiavianareo?" 18 Ilay Levita niteny taminy hoe: "An-dalana avy any Betleheman'i Joda ho any amin'ny faritra lavitra indrindra amin'ny tany havoan'i Efraima, izay niaviako izahay. Nankany Betleheman'i Joda aho, ary handeha ho any an-tranon'i Yaveh, nefa tsy hisy olona hampiantrano ahy. 19 Manana mololo sy sakafo ho an'ny ampondranay izahay, ary misy mofo sy divay ho ahy sy ho an'ireo mpanompo vavinao aty, ary ho an'ny tovolahinao miaraka amin'ireo mpanomponao. Tsy misy zava-mahory anay." 20 Dia niarahaba azy ireo ilay lahy antitra hoe: "Ho aminareo ny fiadanana! Izaho no hiantoka ny filànao rehetra. Fa aza mandry eto an-kianja fotsiny." 21 Koa dia nentin'ilay lehilahy tany an-tranony ilay Levita ary nomeny sakafo ireo ampondrany. Nanasa ny tongony izy ireo ary nihinana sy nisotro. 22 Raha mbola nampifaly ny fony izy ireo, dia nisy lehilahy maromaro tao an-tanàna, lehilahy tsy mendrika, nanodidina ny trano, nively ny varavarana. Niteny tamin'ilay lahy antitra, ilay tompon-trano izy ireo, nanao hoe: "Avoahy ilay lehilahy izay tonga ao an-tranonao, fa hiara-mandry aminy izahay." 23 Nivoaka ilay lehilahy, tompon-trano, ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Tsia, ry rahalahiko, aza manao izao zava-dratsy izao tompoko! Satria vahiny ato an-tranoko io lehilahy io, ka aza manao izao zava-pady izao! 24 Indro, ato ny zanako vavy virijiny sy ny vaditsindranony. Mamèla ahy hitondra azy ireo hivoaka izao. Haolano sy ataovy amin'izy ireo izay tianareo atao aminy. Fa aza manao zava-pady toy izany amin'io lehilahy io!" 25 Kanefa tsy nihaino azy ireo lehilahy, ka dia nosamborin'ilay lehilahy ny vaditsindranony ary navoakany teo amin'izy ireo izy. Nisambotra azy izy ireo, nanolana azy, ary nanararaotra azy nandritra ny alina, ary navelan'izy ireo handeha izy raha nangiran-dratsy. 26 Rehefa nangiran-dratsy dia tonga ravehivavy ary nianjera teo am-baravaran'ny tranon'ilay lehilahy izay nisy ny tompony izy, ary dia nitsirara teo izy mandra-pahazavan'ny andro. 27 Nifoha ny tompony nony maraina ary namoha ny varavaran'ny trano ka nivoaka hanohy ny lalany. Nahita ny vadin-tsindranony niampatra teo am-baravarana izy, ary ny tanany teo an-tokonam-baravarana. 28 Dia hoy ilay Levita taminy hoe: "Mifohaza, ndao isika handeha." Nefa tsy nisy namaly. Nasampiny teo amin'ny ampondra izy, ary niainga hody any aminy ilay lehilahy. 29 Rehefa tonga tany an-tranony ilay Levita, dia naka antsy izy, ary noraisiny ny vaditsindranony, ary notetehiny, isam-pamavanin-taolana, ho roa ambin'ny folo tetika, ary nampitondra izany nanerana ny Israely rehetra. 30 Izay rehetra nahita izany dia niteny hoe: "Zavatra mbola tsy nisy nanao na nahita hatramin'ny andro niakaran'Israely avy any amin'ny tany Egypta mandrak'androany izao. Hevero izany! Toroy hevitra izahay! Lazao anay izay tokony hatao!"
Izany andian-teny izany dia mampahafantatra fanombohana tranga hafa ao amin'ny fizotry ny tantara.
Lavitry ny fonenan'ny mponina
Midika izany fa tsy tokam-po tamin'ny fiarahan'izy ireo izy ary nanomboka niara-nandry tamina lehilahy hafa. Raha ilaina dia azo azavaina misimisy kokoa izany. DH: "nanomboka niara-nandry tamina lehilahy hafa izy"
"Nentiny nanaraka azy ny mpanompony sy ny ampondra anankiroa"
"Ilay rain'ilay zazavavy, dia nandresy lahatra"
"niresaka taminy ny mba hanapahany hevitra hijanona"
niomana ... ilay Levita
Eto ny hoe "mofo" dia ilazana ny sakafo. DH: "Mihinàna sakafo mba hatanjaka tsara amin'ny dia"
"Mba mijanòna anio alina"
Nanome soso-kevitra azy mba hanohana ny tenany amin'ny fisakafoanana ilay rafozan-dahy. Nangataka tamin'ny ihany koa izy mba hiandry mandra-pihilan'ny andro vao mandeha. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany DH: ''Mihinàna sakafo mba hampatanjaka anao tsara amin'ny dia, ary miandrasa mandra-pihilan'ny andro vao mandeha"
"efa madiva hifarana ny andro" na "efa miha hariva ny andro"
"izay nantsoina hoe Jerosalema taty aoriana"
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: ''Nasiany lasely ireo ampondrany roa"
Nampiasaina mba hanomezana soso-kevitra izany fomba fiteny izany. DH: "Manome soso-kevitra aho fa isika dia"
Izany dia midika hoe miala sasatra amin'ny diany na mijanona amin'ny toerana iray eny an-dalana. DH: "hijanona any''
Izany dia midika hoe miala sasatra amin'ny diany na mijanona amin'ny toerana iray eny an-dalana. Jereo ao amin'ny 19:10 ny fomba nandikanao izany teny izany. DH: "hijanona any''
Nampiasaina mba hanomezana soso-kevitra izany fomba fiteny izany. DH: "Manome soso-kevitra aho fa isika dia"
Izany dia midika hoe miala sasatra amin'ny diany na mijanona amin'ny toerana iray eny an-dalana. Jereo ao amin'ny 19:10 ny fomba nandikanao izany teny izany. DH: "nijanona''
Tsena fivorian'ny vahoaka mandritra ny andro
Izany andian-teny izany amin'ny olona dia midika hoe manasa azy ireo handany ny alina ao an-tranony. DH: "nanasa azy ireo hijanona ao an-tranony nandritra izany alina izany"
Ny Benjamita dia taranak'i Benjamina. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:15 ny anaran'izany vahoaka izany.
Eto ilay lehilahy dia niandrandra ary nandinika ny manodidina azy. DH: "Niandrandra izy"
Tsena fivorian'ny vahoaka mandritra ny andro. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 19:14 izany.
Izany andian-teny izany dia ilazana ny olona manasa olona hafa mba handany ny alina ao an-tranony. DH: "nampiantrano ahy hijanona ao an-tranony"
Eto ilay Levita dia miteny hoe "ahy," nefa izy tenany miaraka amin'ny mpanompony ary ny vaditsindranony mihitsy no tiany ho lazaina. DH: "hampiantrano anay"
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "ary manana mofo sy divay be dia be izahay"
Manao ny tenany sy ireo hafa ho toy ny mpanompo ilay Levita, mba ho mari-panajana. DH: "izaho, ny vaditsindranoko, ary ny mpanompoko"
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Manana izay rehetra ilainay izahay"
"Aza." Ny teny hoe "fotsiny" dia ampiasaina eto mba hanasongadinana fa izany no tsy tiany ho ataon'ilay Levita.
Izany dia ilazana ny kianjan'ny tanàna. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 19:16 izany.
Izany dia midika fa nasainy handany ny alina tany an-tranony ilay Levita. Ary nanasa ny vaditsindranony sy ireo mpanompony ihany koa izy. DH: "nanasa ilay Levita sy ireo mpanompony hijanona tao an-tranony"
Ny andian-teny hoe "nampifaly ny fony" dia fomba fiteny izay midika hoe mifaly miaraka amin'ny olon-kafa. DH: "niara-nifaly izy ireo" (UDB) na "nampifaly ny tenany izy ireo"
Lehilahy maromaro ... nijoro tamin'ireo lafin'ny trano.
Izany teny izany izany dia ampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona. DH: ''Enoy"
Eto ny mpanoratra dia miresaka ny hoe "manaiky" toy ny hoe "mihaino." DH: "tsy nanaiky ny heviny ireo lehilahy"
Misy fifangaroana eo amin'ny lehilahy izay nanao izany. DH: "nosamborin'ilay Levita ny vaditsindranony"
"Rehefa nipotsaka ny masoandro" or "vantany ao nazava"
Ilazana ny maraina izany rehefa mazava ny any ivelany. DH: "nibaliaka ny masoandro"
Tsy namaly ilay vehivavy satria efa maty izy. Azo adika mazava tahaka izao izany. DH: "Nefa tsy namaly izy fa efa maty"
"isan-dratsam-batana" Nampiasa izany fanoritsoritana an-tsary izany ny mpitantara mba hanasongadinany izay nataon'ilay Levita sy mba hanehoany ny fomba fitetik'ilay Levita ny vatan'ilay vehivavy. "Ratsam-batana" dia ilazana ny sandry sy ny fe. Raha tsy misy andian-teny mitovitovy amin'izany amin'ny fiteninao, dia azonao atao ny tsy mandika izany.
"12 tetika"
Midika izany fa nampitondra ireo tetika samihafa tany amin'ny toerana roa ambin'ny folo samihafa tao Israely izy. DH: "nampitondra tetika iray avy tany amin'ireo toerana samihafa nanerana an'i Israely"
1 Ary nivoaka toy ny olona iray ireo olon'Israely, avy any Dana ka hatrany Beri-sheba, anisan'izany ihany koa ny tanin'i Gileada, ary niara-nivory teo anatrehan'i Yaveh tany Mizpa izy ireo. 2 Ireo lehiben'i vahoaka rehetra, ny fokon'Israely rehetra, nandray ny toeran'izy ireo tao amin'ny fiangonan'ny vahoakan'Andriamanitra—lehilahy 400. 000 mandeha tongotra, izay vonona hiady amin'ny sabatra. 3 Ary ren'ireo olon'i Benjamina fa niakatra tany Mizpa ireo vahoakan'Israely. Ireo olon'Israely nilaza hoe: "Lazao anay hoe ahoana no nahatonga izao zava-dratsy izao." 4 Ilay Levita, vadin-dravehivavy iray izay novonoina, namaly hoe: "Nankany Gibea any amin'ny faritra izay an'i Benjamina aho, izaho sy ny vaditsindranoko, mba handany ny alina. 5 Nandritra ny alina, dia nanafika ahy ireo mpitarik'i Gibea, nanodidina ilay trano ary nikasa ny hamono ahy. Nosamboriny sy naolan'izy ireo ny vaditsindranoko, ka maty izy. 6 Nalaiko ny vaditsindranoko ary nokapakapaiko ny vatany, ary nalefako tany amin'ny faritry ny lovan'Israely tsirairay ireo, satria nanatanteraka faharatsiana sy fanafintohinana tahaka izany tany Israely izy ireo. 7 Ankehitriny, ianareo Israelita rehetra, omeo ny hevitrareo ary manoroa hevitra etoana." 8 Niara-nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra, ary hoy izy ireo hoe: "Tsy hisy aminay hankany amin'ny lainy, ary tsy hisy aminay hiverina ao an-tranony! 9 Fa ankehitriny kosa dia izao no tsy maintsy ataontsika an'i Gibea: hanafika azy ireo araka ny hitarihan'ny filokana antsika isik. 10 Haka lehilahy folo amin'ny zato manerana ny fokon'Israely rehetra isika, sy zato amin'ny arivo, ary arivo amin'ny iray alina, mba haka vatsy ho an'ireo olona ireo, ka rehefa tonga any Gibea any Benjamina izy ireo, dia hosaziana amin'ny ratsy izay nataon'izy ireo tany Israely." 11 Noho izany dia niangona hanohitra ny tanàna, toy ny olona iray, ireo miaramilan'Israely rehetra. 12 Nandefa lehilahy tany amin'ny fokon'i Benjamina ireo fokon'Israely, nilaza hoe: "Inona izao ratsy nataonareo teo aminareo izao? 13 Noho izany, omeo anay ireo lehilahy ratsy fanahy any Gibea ireo, mba hahafahanay mamono ho faty azy ireo, ary mba hanalanay tanteraka izany ratsy izany amin'i Israely." Fa i Benjamina dia tsy te-handre ny tenin'ireo rahalahiny, ireo olon'Israely. 14 Ary niara-nivoaka ny tanàna ireo olon'i Benjamina mba hivonona hiady amin'ny olon'Israely. 15 Ary niara-nentina avy tao amin'ny tanànan'izy ireo ny olon'Israely mba hiady amin'ny miaramila enina arivo sy roa alina izay efa voaofana hiady amin'ny sabatra. Ankoatr'izay, dia nisy lehilahy fitonjato voafidy avy amin'ireo mponin'i Gibea. 16 Teo amin'ireo miaramila rehetra dia nisy lehilahy fito arivo voafidy izay kavia. Ny tsirairay tamin'izy ireo dia mahavita mitoraka singam-bolo amin'ny vaton'antsamotady ka tsy mivena. 17 Ny vahoakan'Israely, raha tsy isaina ireo avy amin'i Benjamina, dia miisa 400. 000 olona, izay voaomana hiady amin'ny sabatra. Ireo rehetra ireo dia lehilahy mpiady. 18 Nitsangana ireo olon'Israely, nandeha tany Betela, ary nangataka torohevitra tamin'Andriamanitra; Nanontany izy ireo hoe: "Iza no hanafika voalohany an'ireo olon'i Benjamina ho anay?" ary Yaveh nilaza hoe: "Joda no hanafika voalohany." 19 Nifoha maraina ireo olon'Israely ary namindra ny tobiny akaikin'i Gibea. 20 Niakatra hiady amin'i Benjamina ireo olon'Israely. Nametraka ireo toerana amin'ny ady tany Gibea izy ireo. 21 Nivoaka avy any Gibea ireo olon'i Benjamina, ary namono lehilahin'ny tafik'Israely roa arivo sy roa alina taminizany andro izany. 22 Fa nampahery tena ny olon'Israely ary namorona filaharana teo amin'ilay toerana izay nilaharan'izy ireo tamin'ny andro voalohany izy ireo. 23 Ary niakatra ireo olon'Israely ka nitomany teo anoloan'Yaveh mandra-pahariva ny andro izy ireo, ary nitady lalana tamin'Yaveh izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Moa ve tokony handeha hiady amin'ireo rahalahinay izahay, ireo olon'i Benjamina?" Ary Yaveh nilaza hoe: "Tafiho izy ireo!" 24 Ka nandeha nanohitra ireo miaramilan'i Benjamina ireo olon'Israely ny andro faharoa. 25 Tamin'ny andro faharoa, dia nivoaka nanohitra azy ireo tany Gibea i Benjamina ary namono lehilahy valo arivo sy iray alina avy tamin'ny olon'Israely. Izy rehetra dia lehilahy voaomana hiady amin'ny sabatra. 26 Dia nandeha niakatra ho any Betela avokoa ireo miaramilan'Israely sy ireo vahoaka rehetra ka nitomany, ary nipetraka teo anoloan'i Yaveh tany izy ireo ary nifady hanina mandra-pahariva tamin'izany andro izany ary nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Yaveh. 27 Nanontany an'i Yaveh ireo olon'Israely—satria tany ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra tamin'izany andro izany, 28 ary nanompo teo anatrehan'ny fiara i Fineasy zanak'i Eliazara zanaka lahin'i Arona tamin'izany andro izany—"Tokony hivoaka hiady amin'ny olon'i Benjamina, rahalahinay, indray mandeha koa ve izahay sa hijanona?" Hoy Yaveh hoe: "Tafiho, satria hanampy anareo handresy azy ireo Aho rahampitso." 29 Koa dia nametraka olona tany amin'ny toerana miafina nanodidina an'i Gibea i Israely. 30 Niady tamin'ireo olon'i Benjamina ireo olon'Israely tamin'ny andro fahatelo, ary nametraka ny filaharan'ady nanohitra an'i Gibea izy ireo araka izay efa nataony teo aloha. 31 Nandeha ka niady tamin'ireo vahoaka ny olon'i Benjamina, ary voaroaka niala ny tanàna izy ireo. Nanomboka namono ny sasany tamin'ireo vahoaka izy ireo. Teo amin'ny olon'Israely telopolo teo no maty tany an-tsaha sy teny an-dalana. Ny iray tamin'ireo lalana dia niakatra nankany Betela, ary ny iray hafa dia nankany Gibea. 32 Dia hoy ny olon'i Benjamina hoe: "Resy izy ireo ary nandositra lavitra antsika, toy ny tamin'ny voalohany ihany." Saingy hoy ireo miaramilan'Israely hoe: "Andeha isika hihazakazaka hiverina ka handroaka azy ireo hiala amin'ny tanàna ho eny an-dalana." 33 Dia nitsangana avy teo amin'ny toeran'izy ireo ny olon'Israely rehetra ary nanao filaharan'ady tany Bala-tamara. Dia nihazakazaka nivoaka avy tao amin'ny fitoerany ireo miaramilan'Israely izay niafina tao amin'ny toerana fiafenana tao Mare-gibea. 34 Indreo nisy lehilahy voafantina iray alina avy any Israely nivoaka hanohitra an'i Gibea, ary namaivay ny ady, fa tsy nahalala ireo Benjamita fa nananontanona azy ireo ny loza. 35 Nandresy an'i Benjamina teo anoloan'Israely i Yaveh. Tamin'izany andro izany, dia nahafaty olon'i Benjamina 25. 100 ireo miaramilan'Israely. Ireo rehetra maty dia ireo izay efa vaomana hiady amin'ny sabatra. 36 Ary hitan'ireo miaramilan'i Benjamina fa resy izy ireo. Nanome lalana an'i Benjamina ireo olon'Israely, satria nahatoky ireo olona izay napetrak'izy ireo tany amin'ny fitoerana niafina tany ivelan'i Gibea izy ireo. 37 Dia nitsangana ireo lehilahy niafina ka nirifatra tany Gibea faingana, ary tamin'ny sabatr'izy ireo no namonoany ny olona rehetra izay nonina tao an-tanàna. 38 Ny famantarana nifanarahana teo amin'ireo miaramialan'Israely sy ireo lehilahy niafina mangingina dia hisy rahon-tsetroka lehibe hiakatra avy ao an-tanàna. 39 Rehefa lasa ny famantarana dia nilavo lefona tamin'ny ady ireo miramilan'Israely. Ary nanomboka nanafika i Benjamina ka nahafaty olon'Israely manodidina ny telopolo, ary hoy izy ireo hoe: "Azo antoka fa resy eo anatrehantsika izy ireo, tahaka ny tamin'ny ady voalohany." 40 Rehefa nanomboka nisy andrin-drahona nivoaka avy tao amin'ny tanàna, dia nitodika ireo Benjamita ka nahita setroka nananika ny lanitra avy eo amin'ny tanàna manontolo. 41 Dia nivadika taminizy ireo ny olon'Israely. Raiki-tahotra ireo lehilahin'i Benjamina, fa hitan'izy ireo fa tonga tamin'izy ireo ny loza. 42 Noho izany dia nandositra an'ireo olon'Israely izy ireo, nitsoaka tany amin'ny lalana mankany an'efitra. Nefa nahatratra azy ireo ny ady. Nivoaka ny tanàna ireo miaramilan'Israely ka nahafaty azy ireo teny amin'izay nitsanganany. 43 Nihodidina an'ireo Benjamita izy ireo, nanao haza-lambo azy ireo ary nanosiosy azy ireo tany Noaha, tany amin'ny lalan'ny ilany antsinanan'i Gibea. 44 Valo arivo sy iray alina no olona maty avy tao amin'ny fokon'i Benjamina, ny rehetra tamin'izy ireo dia lehilahy niavaka tamin'ny ady. 45 Nihodina izy ireo ary nandositra nizotra nankany an'efitra tany amin'ny vatolampin'i Rimona. Nahafaty olona dimy arivo hafa tamin'izy ireo ny Israelita teny an-dalana. Nanenjika azy ireo hatrany izy ireo, ary nanaraka azy ireo akaiky tany an-dalana nankany Gidoma, ary tany no namonoan'izy ireo olona roa arivo fanampiny. 46 Dimy arivo sy roa alina ireo miaramilan'i Benjamina rehetra lavo tamin'izany andro izany—dia lehilahy izay voaomana hiady amin'ny sabatra; izy rehetra dia niavaka tamin'ny ady. 47 Nefa lehilahy eninjato no nihodina ka nandositra tany an'efitra, nankany amin'ny vatolampin'i Rimona. Nitoetra tany amin'ny vatolampin'i Rimona nandritra ny efa-bolana izy ireo. 48 Niverina hanohitra ireo olon'i Benjamina ireo miaramilan'Israely ary nanafika sy namono azy ireo—ny tanàna manontolo, ireo biby fiompy, ary ireo zavatra rehetra izay hitan'izy ireo. Nodoran'izy ireo ihany koa ireo tanàna rehetra teny amin'ny lalan'izy ireo.
Izany fanoharana izany dia milaza fa mitovy amin'ny fihetsiky ny olona iray ny fihetsiky ny antoko. Izany dia ilazana ireo antokon'olona izay miaraka manao ny zavatra rehetra amin'ny fomba mitovy. DH: "toy ny olona tokana"
Izany dia ilazana ny tany manontolo. DH: "avy amin'ireo foko roa ambin'ny folo rehetra"
"Andriamanitra ary tonga ihany koa ireo miaramila 400.000"
"afaka hiatrik'ady." Tsy hifanandrina izy ireo eto.
Eto dia ampiasaina ho mari-pihatoana ao amin'ny fizotrin'ny tantara izany teny izany. Eto dia milaza fampahafantarana fototra mikasika izay fantatry ny vahoakan'Israely ny mpanoratra.
Mizpa dia eny amin'ny toerana avo eny an-tendrombohitra.
"Mandritra ny alina" na "hijanona mandritra ny iray alina"
Ny teny hoe ''fanafintohinana" dia manoritsoritra ny hoe "faharatsiana." DH: "faharatsiana manafintohina"
Izany teny izany dia ampiasaina mba hampidirana ny famintinan-daha-tenin'ilay Levita.
Ny teny hoe "hevitra-" sy "manoroa hevitra" dia mitovy hevitra ary naverina mba hisongadina. Azo atambatra izany. DH: "manapaha hevitra ny amin'izay tokony hataonay mikasika izany"
Izany fampitahana izany dia miresaka ny vondrona ho toy ny olona iray. Tena nitovy tanteraka ny zavatra nataon'izy rehetra niaraka. DH: "toy ny hoe olona iray izy ireo"
Ireo fehezanteny roa ireo dia milaza hevitra mitovy. Azo atambatra izany. Ny andian-teny hoe "tsy hisy ... hankany" na "tsy hisy ... hiverina" dia manasongadina fa mbola hijanona eo izy ireo. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Hijanona eto izahay"
Izany andian-teny izany dia mampiditra ny ampahany lehibe ny amin'izay nolazain'ny vahoaka taorian'ilay fanehoan-kevitra voalohany.
Anisan'izany ny fanipazana kodia kely vita amin'ny vato mba hamantarana izay sitrapon'Andriamanitra"
"lehilahy 10 amin'ny 100 ... sy 100 amin'ny 1000 ... 1000 amin'ny 10.000"
"sakafo" na "tahirin-tsakafo"
"niara-tonga hanafika ny tanàna"
Fomba fiteny izany. DH: "vonoy izy ireo" na "tapero ny ain'izy ireo"
Eto ny hoe "teni-" dia ilazana ny hafatra izay nolazain'izy ireo. DH: "izay nolazain'ireo rahalahiny"
"26.000"
"700"
Ny olona kavia dia kinga kokoa amin'ny fampiasana ny tanany havia nohon'ny havanana.
Izany dia maneho ny hakingan'izy ireo rehefa mikendry sa mahavo ny tanjona. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "mahavita mikendry amin'ny vato eny na dia singam-bolo iray aza ary mahavoa izany" na "mahavita mikendry ny zavatra madinika tahaka ny volo amin'ny vato ary mahavoa izany"
"tsy anisan'izany"
"nanontany an'Andriamanitra ny amin'izay atao" na "nanontany an'Andriamanitra hoe ahoana ny atao"
Mampametra-panontanina ihany ny hevitry fehezanteny hebreo. Ankoatra ny hoe nametraka ny tobiny akaikik'i Gibea izy ireo, dia afaka adika ihany koa izany hoe nivoaka ny tafika ary nijoro nivonona hiady teny am-pitan'i Gibea.
"22.000"
Eto ny hoe "nampahery" dia fomba fiteny izay midika fa nifankahery izy ireo.
Midika izany fa nanomana ny filaharan'ady ho an'ny fifanandrinana manaraka ny Israelita. DH: "efa vonona hiady izy ireo amin'ny andro manaraka" (UDB)
Tsy nipetrapetraka tsara ny paik'ady nampiharin'izy ireo. Mety hoe niloka fatratra ilay mpisorona mba hahafantarana ny sitrapon'Andriamanitra.
"18.000"
"teo amin'ny fanatrehan'i Yaveh" na "ho an'i Yaveh"
Izany fampahafantarana amin'ny ankapobeny izany dia nampidirin'ny mpanorana mba hanampiana ny mpamaky hahazo ny fomba nangatahan'ny vahoaka valiny tamin'i Yaveh.
"tany Betela... tamin'izany andro izany"
Ny dika fenon'izany andian-teny izany dia azo adika tahaka izao. DH: "nanompo amin'ny maha mpisorona azy teo analoan'ny fiaran'ny fanekena"
Ny dika fenon'izany andian-teny izany dia azo adika tahaka izao. DH: "Tafiho ny tafik'i Benjamina"
Eto ny hoe "Israely" dia ilazana ny vahoakan'i Israely. DH: "ireo Israelita"
"anaty fiafenana"
Azo azavaina amin'ny fomba hafa ny dika fenon'izany andian-teny izany. DH: "niady tamin'ny vahoakan'Israely"
Azo adika tahaka izao izany. DH: "noroasin'ny vahoakan'Israely niala ny tanàna izy ireo"
Azo azavaina amin'ny fomba hafa ny dika fenon'izany andian-teny izany. DH: "nanomboka namono ny sasany tamin'ireo olon'Israely ny vahoakan'i Benjamina"
"toy ny teo aloha ihany" na "toy ireo indroa voalohany ihany"
Anaran-tanàna izany.
Anaran-toerana izany. Ireo dikan-teny hafa dia misy mivaky hoe "sahan'i Gibea" na "atsinanan'i Gibea."
"10.000"
Izany fomba fiteny izany dia midika fa miaramila miavaka ireo. DH: "miaramila voaofana tsara"
Eto ny loza izay efa antomotra dia resahina toy ny hoe efa mitsangana eo akaikin'izy ireo izany. DH: "tsy ho ela dia ho resy tanteraka izy ireo"
Manomboka eto amin'ity fehezanteny ity ka hatrany amin'ny faran'ny andininy faha 41 dia fampahafantarana fototra nampidirin'ny mpanoratra mba hanazavana amin'ny mpamaky ny fomba nandresen'ny mpiafina ireo Benjamita.
Izany fomba fiteny izany dia midika fa nanao fanahy iniana nihataka izy ireo. DH: "namela an'i Benjamina handroso"
Izany fomba fiteny izany dia midika fa nahatoky ireo olony izy ireo.
Mbola manome ny fampahafantarana fototra izay nampidirin'ny mpanoratra ihany ity andininy ity mba hanazavana amin'ny mpamaky ny fomba nandresen'ny mpiafina ireo Benjamita.
"niala an-daharana tamin'ny ady"
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: " nandresy azy ireo isika"
Mbola manome ny fampahafantarana fototra izay nampidirin'ny mpanoratra ihany ity andininy ity mba hanazavana amin'ny mpamaky ny fomba nandresen'ny mpiafina ireo Benjamita.
"fijaliana lehibe" na "korontana" na "fahoriana"
Izany fomba fiteny izany dia midika fa nitranga tamin'izy ireo izany. DH: "nitranga tamin'izy ireo"
Izany dia miresaka ny ady ho toy ny hoe olona iray misambotra olona. DH: "Nefa nisambotra azy ireo ny miaramilan'i Israely" na "Nefa tsy afa-nandositra ny ady izy ireo"
Anaran-tanàna izany.
Ny fahatanterahan'ny faharavanan'i Benjamina dia resahina toy ny hoe nitsakitsahin'ireo Israelita ny vatan'izy ireo. DH: "nopotehin'izy ireo tanteraka izy ireo"
"18.000"
"niatrika ny ady tamin-kerim-po''
"Nihodina ireo Benjamita sisa tavela ary nandositra"
"5.000... 2.000"
Anaran-tanàna izany.
"25.000"
"600"
Tsy ireo miaramila nandositra tany amin'ny vatolampin'i Rimona akory ireo olon'i Benjamina ireo, fa ireo vahoaka tao an-tanàna.
Eto ny hoe "ny tanàna" dia ilazana ny vahoaka ao an-tanàna. DH: "ny olona izay tao an-tanàna"
Izany fomba fiteny izany dia ilazana ny zavatra rehetra hitan'izy ireo tao an-tanàna. DH: "tonga tao ... izy ireo"
1 Ary ny lehilahin'Israely nanao fampanantenana tao Mizpa hoe: "Tsy hisy amintsika hanome ny zanany vavy hanambady Benjamita." 2 Dia nankany Betela ny vahoaka ka nitoetra tany teo anatrehan'Andriamanitra hatramin'ny hariva, ary nitomany mafy tamin'ny feo avo izy ireo. 3 Hoy izy ireo niantso mafy: "Nahoana, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, no dia nitranga tamin'ny Israely izao, ka tsy ho eto aminay intsony ny iray amin'ireo fokonay ankehitriny?" 4 Nifoha maraina ny vahoaka ny ampitson'iny ka nanangana alitara teo ary nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. 5 Hoy ny vahoakan'Israely hoe: "Iza tamin'ireo fokon'Israely no tsy niakatra tao amin'ny fiangonana tany amin'i Yaveh?" Satria nanao fampanantenana lehibe tokoa izy ireo mahakasika ny olona izay tsy niakatra teo amin'i Yaveh tany Mizpa. Hoy izy ireo hoe: "Tena hovonoina ho faty izy." 6 Nanana fangoraham-po tamin'i Benjamina rahalahin'izy ireo ny vahoakan'Israely. Hoy izy ireo hoe: "Voafongotra tsy ho eo amin'ny Israely ny foko iray ankehitriny. 7 Iza no hanome vady ireo sisa tavela, satria efa nanao fampanantenana tamin'i Yaveh isika fa tsy hamela azy ireo hanambady ireo zanantsika vavy?" 8 Hoy izy ireo hoe: "Iza tamin'ireo fokon'i Israely no tsy niakatra tany amin'i Yaveh tany Mizpa?" Fantatra fa tsy nisy olona tonga tao amin'ny fiangonana ny avy tany Jabesy Gileada. 9 Fa rehefa niainga tamin'ny fomba nirindra ny vahoaka, indro, tsy nisy tonga teo ireo mponin'i Jabesy Gileada. 10 Naniraka roa arivo sy iray alina tamin'ireo lehilahy be herim-po indrindra miaraka amin'ny toromarika ny fiangonana mba handeha any Jabesy Gileada ka hanafika azy ireo, ary hamono azy ireo, eny fa na dia ny zaza amam-behivavy aza. 11 "Izao no ataovy: tsy maintsy vonoinareo ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa niara-nandry tamina lehilahy." 12 Nahita tovovavy efajato izay mbola tsy niara-nandry tamina lehilahy tamin'ireo velona tao Jabesy Gileada ireo lehilahy, ka nentin'izy ireo tany an-toby tany Silo, tany Kanàna izy ireo. 13 Nandefa hafatra tamin'ireo vahoakan'i Benjamina izay tany amin'ny harambaton'i Rimona ny fiangonana manontolo fa nanolotra fihavanana ho azy ireo izy ireo. 14 Niverina tamin'izany andro izany ireo Benjamita ary nomena azy ireo ny vehivavin'i Jabesy Gileada, nefa tsy ampy ho azy rehetra ireo ny vehivavy. 15 Nanenina tamin'izay nitranga tamin'i Benjamina ny vahoaka, satria nozarazarain'i Yaveh ireo fokon'Israely. 16 Dia hoy ireo mpitarika ny fiangonana hoe: "Hataontsika ahoana ny hanomezana vady ho an'ireo Benjamita izay sisa tavela, satria efa novonoina ireo vehivavin'ny Benjamina?" 17 Hoy izy ireo hoe: "Tsy maintsy misy lova ho an'ireo sisa velon'i Benjamina, mba tsy hisy foko voaringana amin'ny Israely. 18 Tsy afaka manome vady avy amin'ireo zanakay vavy ho azy ireo izahay, satria nanao fampanantenana ireo vahoakan'Israely hoe: 'Voaozona izay manome vady an'i Benjamina.'" 19 Dia hoy izy ireo hoe: "Fantatrareo fa isan-taona dia misy andro firavoravoana ho an'i Yaveh any Silo (avaratr'i Betela, atsinanan'ny lalana miakatra avy any Betela mankany Sekema, ary atsimon'i Lebona)." 20 Nandidy ireo lehilahin'ny Benjamina izy ireo, nanao hoe: "Mandehana ka miafena ary miandrasa ao amin'ny tanim-boaloboka. 21 Miandrasa ny fotoana izay hivoahan'ireo zazavavy avy any Silo handihy, dia mivoaha faingana avy ao amin'ny tanim-boaloboka ka misambora vady avy amin'ireo zazavavy avy any Silo ny tsirairay avy aminareo, avy eo dia miverena any amin'ny tanin'i Benjamina. 22 Rehefa tonga hanohitra antsika ireo rain'izy ireo na ireo anadahin'izy ireo, dia hiteny isika hoe: 'Anehoy famindram-po izahay! Avelao izy ireo hijanona satria tsy mba nahazo vady ho an'ny lehilahy tsirairay nandritra ny ady izahay. Tsy manan-tsiny ianareo, satria tsy nomenareo azy ireo ny zanakareo vavy." 23 Nataon'ny vahoakan'i Benjamina izany. Nalain'izy ireo tamin'ireo zazavavy izay nandihy ny isan'ny vady izay nilain'izy ireo ka dia nentin'izy ireo ho vadiny izy ireo. Lasa izy ireo ary niverina tany amin'ny toeran -dovan'izy ireo. Nahorin'izy ireo indray ny tanàna sy nipetraka tao amin'izany. 24 Dia nandao izany toerana izany ka nandeha nody ny vahoakan'i Israely, samy any amin'ny foko sy ny fianakaviany avy, ary samy any amin'ny lovany avy. 25 Tsy nisy mpanjaka tao Israely tamin'izany andro izany. Samy nanao izay marina teo imasony ny olona rehetra.
Izany fampahafantarana fototra izany dia milaza amin'ny mpamaky mikasika ny fampanantenana izay nataon'ireo Israelita teo anatrehan'ny fifanandrinana tamin'ireo Benjamita.
Izany ny anaran'ireo taranak'i Benjamina. Jereo ao amin'ny 3:15 ny fomba nandikanao izany.
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany ny vahoakan'Israely mba hanehoany ny halalin'ny halahelon'izy ireo. Azo avadika ho fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. DH: "Ry Yaveh, malahelo tokoa izahay satria rava tanteraka ny iray amin'ireo fokon'Israely"
Nanadina ny fiangonan'ireo Israelita tany Mizpa ny vahoaka talohan'ny nanafihany ireo Benjamita
Izany dia fampahafantarana fototra hanazavana amin'ny mpamaky ny fampanantenana izay nataon'ireo Israelita tany Mizpa talohan'ny nanafihany ireo Benjamita.
Eto ny hoe "izy" dia izay olona tsy nankany Mizpa. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Tena hovonointsika izany olona izany"
Eto ny hoe "Benjamina rahalahin'izy ireo" dia ilazana ireo taranak'i Benjamina sisa velona. DH: "ireo Benjamita sisa velona"
Ny faharavan'ny fokon'i Benjamina dia resahina toy ny hoe nokapaina tam'ny antsy niala tamin'Israely. D.H: "nesorina ny foko iray." Izany dia fanitaran-kevitra satria mbola nisy lehilahy 600 tavela. Na dia izany aza, novonoina ihany koa ireo vehivavy Benjamita, noho izany dia nampametra-panontaniana ny hoavin'ny foko.
Te hanome vady ireo Benjamita sisa tsy maty ireo Israelita, nefa mandrara azy ireo mba tsy hanao izany ny fampanantenany tany Mizpa.
Anaran-tanàna izany.
"natao ny fanisàna ireo vahoaka tafavory tao Mizpa"
Ilazana ny fiangonanan'i Mizpa tany aloha izany. Azo adika mazava kokoa ny dika fenon'izany andian-teny izany. DH: "tsy nisy tany Mizpa ireo mponin'i Jabesy Gileada"
"12.000"
Manome andindininy miavaka ny amin'izany toromarika izany ny andininy manaraka.
Anaran-tanàna izany. Jereo ao amin'ny 21:8 ny nandikanao izany.
Izany dia fanalefahan-teny ilazana ny firaisana ara-nofo.
"tovovavy 400"
Ny anarana hoe "fihavanana" dia azo avadika ho matoanteny. DH: "te hihavana tamin'izy ireo"
Anaran-tanàna izany. Jereo ao amin'ny 21:8 ny nandikanao izany.
Nisy Benjamita eninjato teo, nefa vehivavy efajato ihany no avy tany Jabesy Gileada.
"nataony izay tsy nikambanan'ireo fokon'Israely"
Ilazana ireo taranak'i Benjamina izany. Jereo ao amin'ny 3:15 ny nandikanao izany.
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "novonoinay ireo vehivavy Benjamita rehetra"
Mampitombo resaka ireo Israelita. Efa nanome vady ho an'ireo Benjamita efajato izy ireo, noho izany dia tsy ho rava tanteraka ilay foko.
Eto ny hoe "Benjamina" dia ilazana ireo lehilahy taranak'i Benjamina. DH: "vady an'ireo lehilahin'i Benjamina"
Izany dia fampahafantarana fototra hanazavana amin'ny mpamaky ny toerana misy ny tanànan'i Silo.
Anaran-tanàna izany.
Mazava izany fa haka ireo vahivavy ireo hiverina any amin'ny taniny miaraka aminy ireo Benjamita. Ny dika fenon'izany fehezanteny izany dia azo atao tahaka izao. DH: "makà vehivavin'i Silo iray ny tsirairay avy aminareo, ary avy eo dia ento miverina miaraka aminareo any amin'ny tanin'i Benjamina izy mba ho lasa vadinareo"
Ny anarana hoe "famindram-po" dia azo adika toy izao. DH: "Aoka mba ho tsara fanahy aminay sy amin'ireo lehilahin'i Benjamina"
Ny dika fenon'izany fehezanteny izany dia azo atao tahaka izao. DH: "satria tsy mba nahazo vady ho an'ny lehilahy tsirairay nandritra ny ady tamin'i Jabesa Gileada izahay"
Ireo lehilahiN'i Silo no tiana lazaina. Tsy tan-tsitra-po no nanomezan'izy ireo ny zanany vavy an'ireo Benjamita, na dia izany aza dia tsy nandrava ny fifanekeny ny tsy nanaovan'izy ireo izany.
Izany dia ilazana ny vady iray avy ho an'ireo lehilahy Benjamita roanjato izay tsy nahazo vady tany Jabesy Gileada.
"tsy mbola nanana mpanjaka i Israely"
Eto ny hoe "-maso-" dia ilazana ny heritreritra na hevitr'olona iray. DH: "izay noheverin'izy ireo fa marina"
1 Tamin'ny andro nanapahan'ireo mpitsara dia nisy mosary teo amin'ny tany, ary nisy lehilahy iray avy tao Betleheman'i Joda nandeha tany amin'ny tanin'i Moaba niaraka tamin'ny vadiny sy ireo zanany roa lahy. 2 Ny anaran'ilay lehilahy dia Elimeleka, ary ny anaran'ny vadiny dia Naomy. Ny anaran'ireo zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, izay Efratita avy any Betleheman'i Joda. Tonga tany amin'ny tanin'i Moaba izy ireo ary nonina tao. 3 Ary maty i Elimeleka, vadin'i Naomy, ka izy sisa no tavela niaraka tamin'ny zanany roa lahy. 4 Ireo zanany lahy ireo dia naka vady tamin'ireo vehivavin'i Moaba; ny anaran'ny anankiray dia i Orpa, ary ny anaran'ny iray dia Rota. Nipetraka tao nandritra ny folo taona izy ireo. 5 Avy eo dia maty i Malona sy Kilona, namela an'i Naomy tsy misy vadiny ary tsy misy ireo zanany roa. 6 Avy eo Naomy nanapa-kevitra ny handao an'i Moaba miaraka amin'ny vinantony vavy ary niverina tany Joda satria efa henony tao amin'ny faritr'i Moaba fa efa nanampy ny vahoakany izay nila fanampiana i Yaveh ary nanome sakafo azy ireo. 7 Dia nandao ny toerana izay niarahany tamin'ny vinantony vavy roa izy, ka nandeha nidina ny lalàna izy ireo mba hiverina amin'ny tanin'i Joda. 8 Hoy i Naomy tamin'ireo vinantony vavy roa hoe: "Mandehana, miverina, any amin'ny tranon-dreninareo, ianareo tsirairay avy. Yaveh anie hampiseho ny hatsaram-panahy eo aminareo, toy ny nampisehoanareo hatsaram-panahy tamin'ny maty sy tamiko. 9 Ny Tompo anie hanome anareo ka hahitanareo fiadanana, ianareo tsirairay avy ao amin'ny tranon'izay vady haf. "Ary nanoroka azy ireo izy, sady nanandratra ny feony izy ireo no nitomany. 10 Hoy izy ireo taminy hoe: "Tsia! hiara-hiverina aminao ho any amin'ny vahoakanao izahay." 11 Nefa i Naomy nilaza hoe: "Mandehana miverina, ry zanako vavy! Nahoana ianareo no handeha hanaraka ahy? Mbola hanana zazalahy ato an-kiboko ve aho ho anareo, ka ho lasa vadinareo izy ireo? 12 Mandehana miverina, ry zanako vavy, zory ny lalanareo, fa efa antitra aho raha hanambady. Raha miteny aho hoe: 'Manantena aho fa hahazo vady anio alina,' ary hiteraka zazalahy, 13 dia mbola hahandry azy ireo mandra-pahalehibehiny ve ianareo? Hahandry ve ianareo ary tsy hanambady lehilahy ankehitriny? Tsia, ry zanako vavy! Mampalahelo ahy indrindra izany, mihoatra noho ny alahelonareo ny amin'izany, satria ny tanan'i Yaveh no namely ahy." 14 Ary nanandratra ny feony ireo vinantony vavy sady nitomany indray. Nanoroka nanao veloma ny rafozany vavy i Orpa, fa i Rota nifikitra teo aminy. 15 Hoy Naomy hoe: "Henoy, nody tany amin'ireo vahoakany sy ireo andriamaniny ny zaobavinao. Miverena miaraka amin'ny zaobavinao." 16 Nefa i Rota nilaza hoe: "Aza avela hanalavitra anao aho, fa izay alehanao, dia halehako; izay hijanonanao, dia hijanonako; ny vahoakanao dia ho vahoakako, ary ny Andriamanitrao dia ho Andriamanitro. 17 Izay toerana hahafatesanao, dia hahafatesako, ary any no handevenana ahy. Yaveh anie hanasazy ahy, ary mihoatra aza, raha ny fahafatesana fa tsy zavatra hafa ihany no mampisaraka antsika." 18 Rehefa hitan'i Naomy fa tapa-kevitra handeha hiaraka aminy i Rota, dia nanajanona ny fiadian-kevitra taminy izy. 19 Dia nandeha izy roa mandra-pahatongan'izy ireo tao an-tanàn'i Betlehema. Izao no nitranga rehefa tonga tao Betlehema izy ireo, ny tao an-tanàna manontolo dia taitra tamin'izy ireo. Hoy ireo vehivavy hoe: Naomy ve ity? 20 Kanefa hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Aza antsoina hoe Naomy aho. Antsoy hoe Mara aho, satria nampitondra ahy ny mangidy indrindra ny Tsitoha. 21 Nivoaka feno aho, nefa Yaveh nitondra ahy niverina tamin'ny tanam-polo tao an-trano. Noho izany nahoana ianareo no miantso ahy hoe Naomy, amin'ny fahitana ny fanamelohan'i Yaveh ahy, fa ilay Tsitoha dia nampahory ahy?" 22 Ary Naomy sy Rota ilay Moabita, vinantovaviny dia niverina tany amin'ny tanin'i Moaba. Tonga tao Betlehema izy ireo tamin'ny fiandohan'ny fijinjam-bary.
"nisy izany" na "izao no nitranga." Izany dia fomba mahazatra entina hanombohana tantara.
"nandritra ny fotoana nitarihan'ny mpitsara sy ny fitantanana ny Israely"
"tany amin'ny tanin'ny Israely"
"lehilahy iray." Izany dia fomba mahazatra entina hampidirana ny olona iray ao amin'ny tantara iray.
Izy ireo dia olona avy ao amin'ny fokon'i Efraima izay nonina tao Betlehema ao amin'ny faritr'i Joda.
"ireo zanany roa lahy ihany no niaraka tamin'i Naomy"
"manambady vehivavy." Izany dia fomba amin'ny fanambadiana vehivavy. Izy ireo dia tsy maka vehivavy efa manambady.
Ny zanak'i Naomy dia nanambady vehivavy avy amin'ny fokon'i Moaba. Ireo Moabita dia nivavaka tamin'ny andriamani-kafa.
"anaran'ny iray amin'ireo vehivavy"
"anaran'ny vehivavy iray hafa"
folo taona taorian'ny nahatongavan'i Elimeleka sy Naomy tao amin'ny firenen'i Moaba, dia maty Malona sy Kolina zanany lahy
lasa mpitondratena i Naomy.
"raha mbola nipetraka tany Moaba i Naomy dia efa nandre." Voalaza fa avy any Israely ny vaovao. DH: "nahare tany Israely fony izy tany amin'ny faritr'i Moaba"
Izany no anaran'Andriamanitra izay nasehony tamin'ny olony ao amin'ny Testamenta Taloha.
Hitan'Andriamanitra ny filàn'izy ireo ary nomeny vokatra tsara izy ireo.
vinanto- ny vehivavy nanambady ny zanak'i Naomy lahy
"nandeha tamin'ny lalana izy ireo." Ny fandehanana midina ny lalana iray dia fanehoana ny fandehanana miala eo.
vinanto- "vadin'ny zanaka lahy" na "vady navelan'ny zanaka lahy"
Niresaka olona roa i Naomy, ka ireo fiteny izay manana endrika roa andrefesana ny "ianareo" dia hampiasa izany mandritra ny lahateniny.
"ao an-tranon-dreninareo tsirairay avy"
"mampiseho fa tsy mivadika ianao"
"hatsaram-panahy" dia ahitana ny hevitra momba ny fitiavana, hatsaram-panahy, ary fahatokiana.
"ho an'ny vadinao, izay maty." Naomy dia manondro ny zanany roa lahy izay maty.
"manome anao" na "mamela anao hanana"
"fiadanana" eto dia mampiditra ny filaminana ao amin'ny fanambadiana.
miaraka amin'ny vadiny vaovao, fa tsy vadin'olon-kafa. Izy io dia samy manondro ny trano iray izay an'ny lehilahy, ary ny fiarovana amin'ny henatra amin'ny fanambadiana.
Midika izany fa ny zanakavavy dia nitomany mafy na nitomany fatratra.
Rehefa nilaza hoe "izahay," i Orpa sy Rota dia manondro ny tenany izy ireo fa tsy hoe i Naomy.
Eto ny "aminao" dia endrika tokana hilazana an'i Naomy.
izany dia fanontaniana mipetraka. DH: "tsy mety aminao ny miaraka amiko." na "tsy tokony hiaraka amiko ianao."
Naomy dia nampiasa io fanontaniana io mba hilazana fa mety tsy hanana zanaka hafa mba ho vadin'izy ireo izy. DH: "Mazava ho azy fa tsy afaka ny hanana zanaka hafa izay mety ho vadinareo aho."
ny antony maha zava-dehibe ny fananana vady dia azo nambara mazava. DH: "efa antitra loatra raha hanambady indray ka hanana zanaka maro"
"miteraka zaza" na "miteraka zazalahy"
izany dia fanontaniana mipetraka, izay tsy mila valiny. DH: "tsy hiandry mandra-pahalehibe azy ireo ianareo vao afaka manambady azy. Te hanambady lehilahy ianareo izao."
Ny mampalaelo azy dia afaka lazaina mazava. DH: "mampalahelo ahy indrindra ny tsy fanananareo vady"
Ny teny hoe "tanana" dia manondro ny herin'i Yaveh. DH: "Yaveh dia nahatonga zava-mahatsiravina nitranga tamiko"
Midika izany fa nitomany mafy na nitomany fatratra izy ireo.
Ny hoe "henoy" eto dia midika hoe "mandraisa naoty."
"Nitana azy i Rota." DH: "Nandà ny handao azy i Rota" na "Tsy handao azy i Rota"
"ny vadin'ny rahalahin'ny vadinao" na "Orpa"
Mialohan'ny nanambadian'i Orpa sy Rota ny zanaka lahin'i Naomy dia nivavaka tamin'ny andriamanitr'i Moaba izy ireo. Tao anatin'ny fanambadiana, dia nanomboka nivavaka tamin'ny Andriamanitr'i Naomy izy ireo.
"any amin'ny hipetrahanao"
Rota dia manondro ny vahoakan'i Naomy, ny Israelita. DH: "Izaho dia handray ny olona ao amin'ny firenenao ho toy ny vahoakako" na "ho raisiko ho toy ny fianakaviako ny fianakavianao"
Izany dia milaza ny hetahetan'i Rota handany ny andro sisa iainany ao amin'ny toerana sy tanàna iray toa an'i Noamy.
Izany dia manondro an'i Rota izay mangataka amin'Andriamanitra mba hanasazy azy raha tsy manaiky hanao izay lazainy izy araka ny fomba fiteny hoe "Andriamanitra dia mandrara, raha"
"nanajanona ny fiadian-kevitra tamin'i Rota i Naomy"
"Tonga izany." Izany dia manamarika ny fanombohan'ny tantara vaovao.
"ny olona rehetra ao an-tanàna"
Koa satria taona maro no niainan'i Naomy tao Betlehema ary tsy manana ny vadiny sy ny zanany roa lahy intsony, dia azo inoana fa nanambara ny fisalasalana ireo vehivavy raha toa ka i Naomy tokoa io vehivavy io.
Ny anarana hoe "Naomy" dia midika hoe "ny firavoravoako." Koa satria namoy ny vady aman-janany i Naomy , dia tsy mahatsapa intsony ny fifandraisan'ny fiainany amin'ny anarany izy.
Izany dia fandikana ny dikan'ny anarana. Matetika koa izy io dia nadika arakaraka ny feony hoe "Mara."
Rehefa nandao an'i Betlehema i Naomy, dia mbola velona ny vadiny sy ny zanany roa lahy, ka dia faly izy. Naomy dia nanome tsiny an'Andriamanitra ny amin'ny fahafatesan'ny vady aman-janany, ka nilaza fa izy dia nandefa azy hiverina any Betlehema tsy misy azy ireo, ary ankehitriny izy dia malaelo ary tsy faly.
"nitsara ahy ho meloka"
"nahatonga loza tamiko"
Izany dia fanombohan'ny fanambarana famintinana. Ny teny gasy dia manamarika izany amin'ny teny hoe "ary."
"raha vao nanomboka nijinja ny vokatra ireo tantsaha"
1 Ary Elimeleka, vadin'i Naomy, dia nanana havana akaiky, i Boaza, izay nanan-karena, sy lehilahy nanam-pahefana. 2 Rota, ilay Moabita, niteny tamin'i Naomy hoe: "Ankehitriny avelao aho handeha ary hitsimpona izay sisa tavela amin'ireo salohim-bary eny an-tsaha. Hanaraka izay olona hahitako fitia eo imasony aho." Koa hoy i Naomy taminy hoe: "Mandehana, ry zanako vavy." 3 Dia lasa i Rota ary nitsimpona izay sisa tavela teny amin'ny saha rehefa avy nojinjain'izy ireo izany. Ary sendra tonga teo amin'ny anjara sahan'i Boaza, izay havan'i Elimeleka izy. 4 Ary indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ary niteny tamin'ireo mpijinja hoe: "Ho aminareo anie i Yaveh." Namaly azy izy ireo hoe: "Hitahy anao anie i Yaveh." 5 Ary Boaza niteny tamin'ny mpanompony izay nanara-maso ireo mpijinja hoe: "Zanak'iza moa io tovovavy io?" 6 Ilay mpanompo mpanara-maso ny mpijinja namaly ary niteny hoe: "Tovovavy Moabita niara-niverina tamin'i Naomy avy any amin'ny tanin'i Moaba io. 7 Niteny tamiko izy hoe: 'Mba avelao re aho hitsimpona izay ambiny eo an-tsaha rehefa avy mijinja ny vokatra ireo mpiasa.' Koa dia tonga teto izy ka nanohy nanomboka tamin'ny maraina ka hatramin'izao, fa naka-aina kely tao an-trano izy." [1]8 Dia hoy Boaza tamin'i Rota: "Mihaino ahy ve ianao, anaka? Aza mandeha mitsimpona any amin'ny saha hafa; aza mandao ny sahako. Fa kosa, mijanòna eto ka miaraha-miasa amin'ireo tovovavy mpiasako. 9 Eo amin'ny saha izay hijinjan'ny zatovo ihany no afantohy ny masonao ka manaraha avy aorian'ireo vehivavy hafa. Tsy efa niteny ireo zatovo tsy hikasika anao ve aho? Na oviana na oviana ianao no mangetaheta, dia afaka mankeo amin'ny sinin-drano ianao ary misotro ny rano izay nantsakain'ireo zatovo." 10 Dia niankohoka teo anatrehan'i Boaza izy, nampikasika ny lohany tamin'ny tany. Hoy izy taminy: "Nahoana no dia nahita fitia teo imasonao aho, ka miahy ahy ianao, izaho izay mpivahiny?" 11 Namaly i Boaza ka niteny taminy hoe: "Voatatitra taty amiko, izay rehetra nataonao hatramin'ny nahafatesan'ny vadinao. Nandao ny rainao, ny reninao, ary ny tany nilatsahan'ny tavoninao ianao mba hanaraka ny rafozam-bavinao ka handeha ho any amin'ny vahoaka izay tsy fantatrao. 12 Andriamanitra anie hamaly fitia anao nohon'ny asanao. Enga anie ianao handray ny tambiny feno avy amin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely, izay nahitanao fialofana tao ambany elany." 13 Dia hoy izy avy eo: "Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompoko, fa nampionona ahy ianao, ary niteny tamin'ny fahatsoram-po tamiko, na dia tsy isan'ireo mpanompo vavinao aza aho." 14 Tamin'ny ora fisakafoana dia hoy Boaza tamin'i Rota: "Avia eto, ary mihinana amin'ny mofo, ka atsobohy ao amin'ny divay marikivy ny sombi-mofonao." Dia nipetraka teo akaikin'ireo mpijinja izy, ary nanolotra vary voaendy ho azy izy. Nihinana izy ambara-pahavokiny ary navelany ny ambin'izany. 15 Raha iny izy nitsangana hanangona voa iny, dia nandidy ireo tovolahiny i Boaza, nanao hoe: "Aoka izy hanangona ny voa na dia eo amin'ireo amboara aza, ary aza miteny azy tsy hanao izany. 16 Ary manipaza salohim-bary maromaro avy amin'ny amboara ho azy ihany, dia avelao izany mba ho angoniny, ary aza mibedy azy." 17 Koa dia nitsimpona teny an-tsaha izy mandra-paharivan'ny andro. Avy eo dia nively ireo salohim-bary izay voaangony izy, ary vary hordea teo ho eo amin'ny iray efaha izany. 18 Nampiakariny izany ka nankany an-tanàna izy. Avy eo dia hitan'ny rafozam-baviny ireo voaangony. Nitondra vary nendasina ambin'ilay sakafony ihany koa i Rota ka nanome izany ho azy. 19 Hoy ny rafozam-baviny taminy hoe: "Taiza ianao no nitsimpona androany? Taiza ianao no nandeha niasa? Ho tahiana anie ny lehilahy izay nanampy anao." Dia nolazain'i Rota tamin'ny rafozam-baviny ny momba ilay lehilahy izay nanana ilay saha niasany. Hoy izy hoe: "Boaza no anaran'ilay lehilahy izay tompon'ny tany niasako androany." 20 Hoy Naomy tamin'ny vinantovaviny hoe: "Ho tahian'i Yaveh, ilay tsy nahafoy ny fahitsiany tamin'ny velona sy ny maty anie izy." Hoy i Naomy taminy: "Havantsika akaiky ilay lehilahy, anankiray amin'ny havana mpanavotra antsika." 21 Hoy i Rota Moabita hoe: "Hoy tokoa izy tamiko hoe: 'Tokony hifanakaiky amin'ny zatovolahiko hatrany ianao ambara-pahavitan'izy ireo ny fijinjam-bokatro rehetra."' 22 Hoy i Naomy tamin'i Rota vinantovaviny hoe: "Tsara izany, ry zanako vavy, ny handehananao miaraka amin'ireo mpiasany vavy, mba tsy hisy hanjo anao any amin'ny saha hafa." 23 Koa dia nitoetra akaikin'ireo mpiasa vavin'i Boaza izy mba hitsimpona ambara-pahatapitry ny fijinjana vary hordea sy ny fijinjana varim-bazaha. Niara-nonina tamin'ny rafozam-baviny izy.
Izany andian-teny izany dia mampiditra vaovao mialohan'ny fitohizan'ny tantara. Ny fiteninao dia mety manana fomba hafa entina hampidirana vaovao.
"lehilahy ambony, manan-karena." Izany dia midika fa Boaza dia fanta-daza teo amin'ny fiaraha-moniny, nanana laza tsara.
Eto dia mitohy ny tantara. Ianao dia mila mahita ny fomba fiteny amin'ny fiteninao entina hanombohana tantara aorian'ny fihatoana.
Izany dia fomba iray hafa entina hilazana fa ilay vehivavy dia avy amin'ny firenena na fokon'i Moaba.
"manangona izay salohim-bary sisa navelan'ny mpijinja" na "maka izay salohim-bary sisa navelan'ny mpijinja"
"lohany" na "tahony." ny salohy dia ampahany amin'ny zava-maniry izay mitondra ny voa.
Rota dia milaza fa mahafinaritra azy ny mijery toy ny fahazoana alalana na fankasitrahana. DH: "iza no hanome alalana ahy hanangona"
Rota dia nikarakara an'i Moaba toy ny hoe reniny mihitsy. Ataovy azo antoka fa azo atao amin'ny fiteninao ny fampiasana an'io teny io ho an'ny olona izay tsy tena zanakavavy.
Tsy fantatr'i Rota fa ilay saha nofidiny hotsimponina dia an'i Boaza, havan'i Naomy.
Ny teny hoe "indro" dia fampitandremana ho antsika ny amin'ny fiseon-javatra manan-danja amin'ny fahatongavan'i Boaza tao an-tsaha. Ny fiteninao dia mety hanana fomba manokana entina mampiditra ireo toe-javatra na mpandray anjara man"give you good things" or "make you happy"an-danja.
Ireo saha dia elanelana tsy voafaritra ivelan'i Betlehema.
"manome zavatra tsara ho anao" na "mampifaly anao"
Ny mety ho dikany dia izao 1) Boaza dia nanontany momba ny vadin'i Rota na 2) Boaza dia nanontany momba ny ray aman-drenin'i Rota na ny mpiambina azy ankehitriny.
"miandraikitra" na mitantana"
"trano" na "fialofana." Izany dia trano na fialofana vonjy maika tany an-tsaha izay manome alokaloka amin'ny masoandro.
Azo fehezina ho toy ny baiko izany. DH: "Mihainoa ahy, ry zanako vavy!" na "Mariho tsara izay lazaiko aminao izao, ry zanako vavy!"
Izany dia fomba iray entina manondro vehivavy tanora. Rota dia tsy tena zanaka vavin'i Boaza, koa dia atovy antoka fa ny fandikana izany dia tsy milaza azy ho zanany
Ny maso dia maneho ny fijerevana zavatra na fandinihana zavatra iray. DH: "Ny saha ihany jerena" na "Ny saha ihany hifantohana tsara"
Boaza dia nampiasa io fanontaniana io mba hanasongadinana izay efa nataony hanampiana an'i Rota. DH: "Efa nanome toromarika ireo lehilahy ... anao aho."
"zatovolahy mpiasa ... zatovovavy mpiasa." Ny teny hoe "zatovo" dia ampiasaina intelo mba hanondroana ireo zatovo izay mijinja ao amin'ny saha. Ny fiteny sasany dia afaka milaza izany amin'ny fampiasana teny iray, ary izy ireo dia manana teny samihafa izay midika hoe zatovovavy mpiasa.
Ny mety ho dikany dia izao 1) ireo zatovo dia tsy hanisy ratsy an'i Rota na 2) ireo zatovo dia tsy hanakana azy hitsimpona ao amin'ny sahany.
Ny maka rano dia midika hoe manovo rano avy amin'ny fantsakana na maka azy avy amin'ny fitehirizan-drano.
Ireo dia fanehoana fanajana ary fiarahabana. Izy dia nanome voninahitra an'i Boaza tamin'ny fankasitrahana izay rehetra nataony taminy. Izany ihany koa dia fanehoana fanetren-tena.
Mametraka fanontaniana tena marina i Rota.
Rota dia nampanantena manokana ny tsy fivadihany tamin'Andriamanitry ny Israely, kanefa izy dia fantatra ampahibemaso fa "Moabita."
DH: "Ny olona dia nanao tatitra tamiko" na "Nilaza tamiko ny olona"
Boaza dia milaza amin'i Rota tonga niara-nipetraka tamin'i Naomy tao amin'ny tanàna sy vondron'olona iray, firenena, ary fivavahana izay tsy fantany.
"mamerina aminao" na "mandoa aminao"
Izany dia fanehoana finoana, misafidy ny hiara-hiaina amin'i Naomy ao Betlehema ary matoky an'Andriamanitr'i Naomy.
Izany dia fomba fiteny tena mitovy amin'ny fehezanteny teo aloha. DH: "Yaveh anie hamerina aminao mihoatra noho ny nomenao"
Boaza dia nampiasa ny sarin'ny reny vorona izay manangona ny zanany ao ambany elany ho fiarovana azy, entina hanehoana ny fiarovan'Andriamanitra ireo izay mino Azy. DH: "izay nametrahana anao"
Izany dia manondro ny fangatahana fitahiana. DH: "Aoka mba handray fahasoavana avy aminao aho" na "Mba raiso aho"
Ny mety ho dikany dia izao 1) Rota dia tsy iray amin'ny mpanompovavin'i Boaza na 2) Rota dia tsy nieritreritra mihitsy fa ny fanambadiany ny zanak'i Naomy dia hanome tombotsoa azy tao Betlehema.
Izany dia manondro ny fisakafoana atoandro.
Sakafo tsotra nohanina tany an-tsaha izany. Ny olona dia mipetraka amin'ny tany manodidina ny lamba izay misy lovia misy divay marikivy sy tapa-mofo eo amboniny. Atsobony ao amin'ny divay marikivy ny mofony mba handemana izany ka mampisy tsirony mialohan'ny ihinanana azy.
Fangaro izay handemana ny mofo. Ny Israelita taloha dia mandona ny divay mba hanamboarana vinaingitra.
Eo am-pitenenana ireo didy ireo, dia azo inoana fa lavitra i Rota tsy naheno ny baikon'i Boaza. AT: "Ary raha nitsangana hanangona voa i Rota, dia nilaza tamin'ny zatovolahiny Boaza"
"Rehefa nitsangana izy"
Eto ny hoe "na dia" dia manondro "ambony na mihoatra ny zavatra mahazatra ataon'ny iray." Boaza dia nanome toromarika ny mpiasany mba hanome alalana an'i Rota hitsimpona manodidina ny amboara. Ny olona izay mitsimpona dia matetika voarara tsy hanakaiky loatra ny voa voajinja.
makà voan-tsimparifary vitsivitsy avy amin'ny amboara ka amelao ho azy" na "Manajanona voan-tsimparifary mba ho hangoniny"
"aza mampahamenatra azy" na "aza manala baraka azy"
Nanasaraka ny ampahany azo hanina tamin'ny tahony, izay nariana izy.
Izany dia manondro ny ampahany azo hanina amin'ny voa.
"vary hordea eo ho eo amin'ny 13 kilao"
Te hilaza izany fa nentin'i Rota nody ny voa.
rafozana- "Nahita i Naomy"
Toy izany ihany koa no nolazain'i Naomy tamin'ny fomba roa samy hafa mba hanehoana fa izy dia liana tanteraka ny amin'izay nahazo an'i Rota tamin'io andro io.
Naomy dia nangataka tamin'Andriamanitra mba hamaly soa an'i Boaza noho ny hatsaram-panahiny tamin'i Rota sy ny tenany.
"izay tsy mivadika." Ny mety ho dikany dia 1) Boaza dia nahatsiaro ny adidiny amin'i Naomy amin'ny maha mpikambana anatin'ny fianakaviana na 2) Naomy dia manondro an'i Yaveh, izay niasa tao amin'ny alalan'i Boaza na 3) Mbola tsy nivadika tamin'ny velona sy ny maty Yaveh.
"amin'izay olona mbola velona." Naomy sy Rota no "velona."
"amin'izay olona efa maty. "Ny vadin'i Naomy sy ireo zanany no "maty."
mpanavotra- ny andian-teny faharoa dia mamerina sy manamafy ny voalohany.
-havana-mpanavotra dia lehilahy havana akaiky izay afaka manavotra ny vehivavy maty vady amin'ny fahantrana ara-bola amin'ny fanambadiana azy sy ny fiterahana aminy. Hamerina ny tany very koa izy noho ny fahantrana ary hanavotra ny fianakavian'izy ireo izay nivarotra ny tenany ho andevo.
"Nilaza tamiko mihitsy aza izy." Midika izany fa ny manaraka dia ny ampahany manan-danja ndrindra amin'ny tenin'i Boaza tamin'i Rota.
Boaz dia nanondro ny fiarovana ara-batana izay azon'ireo lehilahiny omena azy.
"miara-miasa amin'ny"
Ny mety ho dikany dia izao 1) ny mpiasa sasany dia mety hametaveta an'i Rota na hiezaka ny hisambotra azy ka hiara-mandry aminy na 2) amin'ny sehatra hafa, mety hanelingelina na hanakana azy tsy hitsimpona mandra-pahatongan'ny fotoam-pijinjana ny tompony.
Rota dia niasa tany amin'ny sahan'i Boaza niaraka tamin'ireo mpiasany ny andro, mba hiarovana azy.
Nankany an-tranon'i Naomy i Rota mba hatory amin'ny alina.
1 Ary Naomy, razofam-baviny, niteny taminy hoe: "Ry zanako vavy, tsy tokony hitady toerana mba hitsaharanao ve aho, mba hahatsara anao? 2 Ary Boaza, ilay lehilahy izay niarahanao ny mpiasa vavy mpanompony, tsy havantsika ve izy? Indro, hikororoka vary hordea ao am-pamoloana izy rahalina. 3 Noho izany, sasao ny tenanao, hosory menaka ny tenanao, anaovy ireo akanjonao tsara indrindra, ary midïna any am-pamoloana. Fa aza atao fantatry ny olona ianao mandra-pahavitany mihinana sy misotro. [1]4 Fa rehefa mandry izy, mariho ny toerana izay handriany mba hahafahanao mankany aminy avy eo, esory ny lamba amin'ny tongony, ary mandria eo. Dia holazainy aminao izay hatao." 5 Hoy Rota tamin'i Naomy: "Hanao ny zavatra rehetra nolazainao aho." 6 Ka dia nidina tany am-pamoloana izy, ary nanaraka ireo toro-marika nomen'ny rafozam-baviny azy. 7 Rehefa nihinana sy nisotro i Boaza ary faly ny fony, dia nandeha nandry teo amin'ny faran'ny antontam-bary izy. Avy eo dia tonga tsimoramora izy, nanala ny lamba tamin'ny tongony, ary nandry. 8 Izao no nitranga rehefa taitra ralehilahy tamin'ny misasakalina. Nitodika izy, ary tampoka teo indro nisy vehivavy nandry teo an-tongony! 9 Hoy izy: "Iza ianao?" Dia namaly izy hoe: "Izaho no Rota, mpanompo vavinao. Aelezo amin'ny mpanompo vavinao ny lambanao, fa havana akaiky ianao." 10 Hoy i Boaza: "Ry zanako vavy, hotahian'i Yaveh anie ianao. Efa naneho hatsaram-panahy bebe kokoa tamin'ny ato aoriana noho ny tamin'ny voalohany ianao, satria tsy nanaraka ny zatovo lahy ianao, na mahantra na manan-karena. 11 Ankehitriny, ry zanako vavy, aza matahotra! Hataoko ho anao ny rehetra izay lazainao, satria ny tanànan'ny vahoakako rehetra mahafantatra fa vehivavy mendrika ianao. 12 Marina fa havana aho, nefa misy havana akaiky kokoa noho izaho. 13 Mijanòna eto rahalina, ary amin'ny maraina, raha hanatanteraka ny adidin'ny maha-havana akaiky ho anao izy, tsara izany, aoka izy hanao ny adidin'ny maha-havana akaiky. Fa raha tsy hanao ny adidin'ny maha-havana akaiky ho anao izy, dia ho ataoko izany, noho ny fahaveloman'i Yaveh. Mandria mandra-maraina." 14 Dia nandry teo an-tongony mandra-maraina izy. Fa nifoha izy raha mbola maizina tsy ahalalana olona iny ny andro. Fa i Boaza niteny hoe: "Aoka tsy ho fantatra hoe tonga eo am-pamoloana ravehivavy." 15 Dia hoy i Boaza: "Ento ny lamba fitafianao ary hazony izany." Rehefa nanao toy izany izy, dia nandrefy vary hordea inenin'ny famarana tao anatin'izany izy ary nametraka ny entana teo aminy. Dia nankany an-tanàna izy. 16 Rehefa tonga tany amin'ny rafozam-baviny i Rota, dia hoy izy: "Ahoana no nataonao, ry zanako vavy?" Dia niteny taminy ny rehetra izay nataon-dralehilahy taminy i Rota. 17 Hoy izy: "Ireto vary hordea in'enin'ny famarana ireto no nomeny ahy, fa hoy izy: 'Aza mandeha fotsiny amin'izao mankany amin'ny rafozam-bavinao.' 18 Dia hoy i Naomy: "Mijanòna eto, ry zanako vavy, mandra-pahafantaranao izay fivadian-javatra, fa tsy hitsahatra ralehilahy mandra-pahavitany izany zavatra izany anio."
Naomi no renin'ny vadin'i Rota maty.
Rota dia lasa zanaka vavin'i Naomy rehefa nanambady ny zanany lahy ary tamin'ny alàlan'ny zavatra nataony tamin'ny fikarakarana an'i Naomy taorian'ny niverenany tany Betlehema.
Naomy dia nampiasa io fanontaniana io mba hilazana amin'i Rota izay heveriny ho atao. DH: "Tsy maintsy hitady toerana ho anao aho!" na "Tsy maintsy hitady vady hikarakara anao aho!"
Ny mety ho dikany dia izao 1) mitady trano ara-bakiteny mba hipetrahany na 2) amin'ny heviny hafa dia fitadiavana vady mba hikarakara azy. Mety nanana ireo heviny roa ireo tao an-tsaina i Naomy.
"mpiasa vavy izay niarahanao niasa"
Naomy dia mety nampiasa io fanontaniana io mba hampatsiahivana an'i Rota ny zavatra efa nolazainy taminy. DH: "havantsika izy."
Io teny io dia manondro fa manan-danja tokoa ity fanambarana manaraka ity.
Ny hoe mikororoka dia midika hoe manasaraka ny voam-bary tsy ilaina amin'ny alàlan'ny fanipazana ny voam-bary sy ny akofa amin'ny rivotra, ka mamela ny rivotra mitsoka ny akofa
Ity angamba no ilazana ny fanosorana fofona manitra eo amin'ny tena, toy ny vehivavy mihosotra ranomanitra ankehitriny.
Izany dia milaza ny fialana ao an-tanàna ka mankany amin'ny famoloana.
Izany dia midika ho fanesorana ny lamba na firakotra manarona ny tongony kamba ho azon'ny hatsiaka izy ireo.
"mandry eo an-tongony"
Tsy fantatra mazava ny fomba fanao manokana tamin'izany fotoana izany, fa izany matetika dia raisina ho toy ny fomba eken'ny kolontsaina ny amin'ny filazan'ny vehivavy iray amin'ny lehilahy fa vonona ny hanambady azy izy. Boaza dia mety hahatakatra izany fomba izany ary hanaiky na handà ny tolotra omeny.
"Rehefa mifoha izy, dia hanao izany"
"afa-po izy" na "miramirana izy." Tsy midika izany fa mamo be i Boaza.
"nitsofoka niditra tao izy" na "tonga mangingina tao izy mba tsy hisy handre azy"
"nanaisotra ny lambany tamin'ny tongony"
"mandry eo an-tongony"
Izany andian-teny izany dia ampiasaina eto mba hanamarihana zava-dehibe iray ao amin'ny tantara. Raha toa ka misy fomba ahafahana manao an'io ny fiteninao, azonao atao ny mampiasa izany eto.
"eny antenatenan'alina"
Tsy mazava tsara izay nanaitra an'i Boaza. Angamba nahatsapa tampoka ny rivotra mangatsiaka teo an-tongony izy.
Nijery izay nahataitra azy izy.
Ilay vehivavy dia i Rota, kanefa Boaza dia tsy nahafantatra azy tao amin'ny maizina.
Niresaka ampanetren-tena tamin'i Boaza i Rota.
Izany dia fomba fiteny ara-kolontsaina amin'ny fanambadiana. DH: "Alaivo vady aho"
havana akaiky manana andraikitra manokana amin'ny fianakavian'izy ireo lavitra
Boaza dia nampiasa io fomba fiteny io ho mariky ny fanajana an'i Rota amin'ny maha zavotovavy azy.
"hatsaram-panahy bebe kokoa noho ny teo aloha"
Io dia nanondro an'i Rota nangataka an'i Boaza hanambady azy. Rehefa nanambady ny havan'i Naomy i Rota, dia hanome an'i Naomy ary maneho hatsaram-panahy lehibe tamin'i Naomy.
Izy io dia manondro ny fomba nanomezan'i Rota ny rafozany taloha tamin'ny fijanonany niaraka taminy sy ny fitsimponana voa ho sakafo ho azy ireo.
"tsy nanenjika fanambadiana ianao." Rota dia afaka tsy niraharaha ny filàn'i Naomy ka nitady vady ho azy ivelan'ny fianakavian'i Naomy.
Adidin'ny lehilahy havana akaiky indrindra ny manampy ilay mpitondratena.
"raha tsy hanambady ny vehivavy maty vady sy ho ray ho an'ny havany maty izy"
"raha velona koa Yaveh." Voady hebreo iray mahazatra io.
Natory teo an-tongotr'i Boaza i Rota. Tsy niara-nandry izy ireo.
iny andro iny dia afaka lazaina ho aizina. DH: "raha mbola maizina ny andro"
lamba kely arakotra eo an-tsoroka
Tsy voalaza ny tena fatrany. Fa izay tokony heverina ho ampy, nefa kely afaka entin'i Rota irery. Ny sasany dia mihevitra fa sahabo ho 30 kilao izany.
Lehibe ny voa ka dia nila fanampiana i Rota aka sy hitondra azy.
Ny ankamaroan'ny kopia taloha dia milaza hoe "nandeha," fa ny sasany kosa "nankany izy." Ny safidy tsara kokoa dia "nankany izy."
Ny tiana ho lazain'i Rota amin'ny alalan'izany fanontaniana izany dia azo atao mazava kokoa. DH: "inona no nitranga, ry zanako vavy?" na "Nanao ahoana ny fihetsik'i Boaza taminao?"
"izay rehetra nataon'i Boaza"
"aza mandeha amin'izao" na "aza mandeha tsy mitondra na inona na inona" na "aza adino ny mitondra zavatra"
Izany dia manondro ny fanapahan-kevitra momba izay hividy ny fananan'i Naomy ary hanambady an'i Rota.
1 Ary niakatra teo amin'ny vavahady i Boaza ary nijanona teny. Indro, tonga ilay havana akaiky izay efa noresahan'i Boaza. Hoy i Boaza taminy hoe: "Ry namako, manatona ary mipetraha eto." Nanatona ilay lehilahy ary nipetraka. 2 Avy eo dia naka lehilahy folo tamin'ireo loholona teo an-tanàna i Boaza ary niteny hoe: "Mipetraha eto." Ka nipetraka izy ireo. 3 Hoy i Boaza tamin'ilay havana akaiky hoe: "Naomy, izay niverina avy any amin'ny tanànan'i Moaba, dia mivarotra ampahan-tany izay an'i Elimeleka rahalahintsika. 4 Nieritreritra ny hampahafantatra anao sy hilaza aminao aho hoe: 'Vidio eo anatrehan'ireo izay mipetraka eto izany, ary eo anatrehan'ireo loholon'ny vahoakako.' fa raha maniry ny hanavotra izany ianao, havoty izany. Fa raha tsy tianao ny hanavotra izany, dia teneno aho, mba hahafantarako, satria tsy misy hanavotra an'io ankoatra anao, ary izaho manohana anao." Ary hoy ilay lehilahy iray hafa hoe: "Ho avotako io." 5 Ary hoy i Boaza hoe: "Amin'ny andro izay hividiananao io tany eny an-tanan'i Naomy io, dia tsy maintsy maka an'i Rota ilay Moabita, vadin'ilay lehilahy maty, mba hanandratra ny anaran'ilay lehilaly maty amin'ny lovany ihany koa ianao." 6 Ary hoy ilay havana akaiky hoe: "Tsy afaka ny hanavotra izany ho an'ny tenako aho raha manimba ny lovako izany. Alaivo ho anao ny zon'ny fanavotako, satria tsy afaka ny hanavotra izany aho." 7 Ary izany no fomba fahiny tao Israely mahakasika ny fanavotana sy fifanakalozan'entana. Mba hanamafisana ny zava-drehetra, ny lehilahy iray dia nanala ny kirarony ary nanome izany ho an'ny mpiara-belona aminy; izany no fomba fanaovana fifanekena manara-dalàna tao Israely. 8 Ka hoy ilay havana akaiky tamin'i Boaza hoe: "Vidio ho an'ny tenanao izany," ary nesoriny ny kapany. 9 Ary hoy i Boaza tamin'ireo loholona sy ny olona rehetra hoe: "Vavolombelona ianareo androany fa efa novidiko daholo izay rehetra an'i Elimeleka sy izay rehetra an'i Kiliona ary Mahalona teny an-tanan'i Naomy. 10 Raha ny momban'i Rota ilay Moabita, vadin'i Mahalona: Efa nalaiko ho vadiko koa izy, mba hahafahako manandratra ny anaran'ilay lehilahy maty mba ho lovany, ka tsy hiala eo amin'ireo rahalahiny sy eo amin'ny vavahadin'ny fonenany ny anarany. Vavolombelona ianareo anio." 11 Hoy ireo olona rehetra izay teo amin'ny vavahady sy ireo loholona hoe: "Vavolombelona izahay. I Yaveh anie hanao ilay vehivavy izay tonga ao antranonao ho toa an'i Rahely sy Lea, izy roa izay nanangana ny tranon'ny Israely; ary enga anie ianao hahomby ao Efrata ary halaza ao Betlehema. 12 Enga anie ny tranonao ho toy ny tranon'i Fareza, izay naterak'i Tamara tamin'i Joda, amin'ny alalan'ny taranaka izay homen'i Yaveh anao miaraka amin'io tovovavy io." 13 Ka noraisin'i Boaza i Rota, ary dia lasa vadiny izy. Niara-nandry taminy izy, ary i Yaveh dia namela azy ho bevohoka, ary niteraka zazalahy izy. 14 Hoy ilay vehivavy tamin'i Naomy hoe: "Hisaorana anie i Yaveh, izay tsy namela anao tsy hanan-kavana akaiky, dia ity zaza ity. Halaza ao Israely anie ny anarany. 15 Enga anie izy ho ilay hamerina ny fiainanao amin'ny laoniny ary hikarakara anao rehefa antitra ianao, fa ny vinantonao, izay tia anao, izay tsara aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy, no niteraka azy." 16 Noraisin'i Naomy ilay zaza, dia nampatoriany teo an-tratrany, ary nokarakarainy. 17 Nomen'ireo vehivavy mpiara-belona anarana izy hoe: "Ilay zaza lahy nateraka ho an'i Naomy." Nantsoin'izy ireo hoe: Obeda. Izy dia niteraka an'i Jese, izay niteraka an'i Davida. 18 Ary ireto no taranak'i Fareza: I Fareza dia niteraka an'i Hezrona, 19 i Hezrona niteraka an'i Rama, i Rama niteraka an'i Aminadaba, 20 i Aminadaba niteraka an'i Nasona, i Nasona niteraka an'i Salmona, 21 i Salmona niteraka an'i Boaza, i Boaza niteraka an'i Obeda, 22 i Obeda niteraka an'i Jese, ary i Jese niteraka an'i Davida.
"vavahadin'ny tanàna" na "vavahadin'i Betlehema." Io no vavahady fidirana ao amin'ny rindrin'i Betlehema. Nisy faritra malalaka teo akaikin'ny vavahady izay nampiasaina ho toeram-pivoriana izay hiresahana momba ny olan'ny fiaraha-monina.
Io no havana mbola velona akaiky indrindra an'i Elimeleka.
"mpitarika ny tanàna"
Andraiitry ny havana ny mamerina ny tanin'ny havany ary mikarakara ny ankohonany. Tamin'ity tranga ity, dia midika izany fa tsy maintsy mividy ny tanin'i Naomy ilay lehilahy, manambady an'i Rota, ary mikarakara an'i Naomy.
Izany dia ahatonga ny fifanakalozana ho ara-dalàna.
Midika izany fa hividy ny tany ho fitazomana izany ho an'ny fianakaviany.
Boaza no havany manaraka, hanavotra ny tany.
Boaza dia nampiasa io fomba io mba hampilazana ny havany ny andraikitra fanampiny ananany raha mividy ilay tany izy.
"avy amin'ny fananan'i Naomy"
"tsy maintsy manambady an'i Rota ihany koa ianao"
Rota ... maty vady tamin'ny zanak'i Elimeleka"
"mba hananany zanaka handova ny fananany sy hitondra ny anaran'ny vadiny maty"
Tsy maintsy manome ny hareny sasany ho an'ny zaza haterak'i Rota izy.
"Ianao no manavotra azy" na "Ianao no manavotra azy fa tsy izaho"
Ilay mpanoratra ny boky dia manazava ny fomba fanao mahazatra amin'ny fifanakalozana tamin'ny andron'i Rota.
"tamin'ny taloha." Midika izany fa niova ny fomba fanao tamin'ny nisehoan'ny tantara hatramin'ny nahavitan'ny boky.
"kapa"
Io dia manondro ilay olona nanaovany ilay fifanarahana. Tamin'ity toe-javatra ity dia nanome ny kirarony an'i Boaza ilay havana akaiky.
Io dia manondro ny olona rehetra tonga nanatrika ny fivoriana, fa tsy ny olona rehetra eo an-tanàna.
Io dia manondro ny tany rehetra sy ny fananan'ny vadin'i Naomy efa maty sy ireo zanany.
Ny tanan'i Naomy dia maneho an'i Naomy. Izy no tompon'andraikitra tamin'ny fifanakalozam-bola. DH: "avy amin'i Naomy"
Ny lahimatoa izay naterak'i Rota dia hoheverina ara-dalàna ho zanak'i Mahalona ary handova ny tany izay novidin'i Boaza tamin'i Naomy. DH: "mba homeko zazalahy lahy handova ny fananan'ny maty izy"
Ny hoe adino dia lazaina toy ny hoe nasorina tao antin'ny lisitry ny olona izay niaina taloha ny anarany. DH: "mba tsy hohadinoin'ireo taranaky ny rahalahiny sy ny mponina ao amin'ity tanàna ity izy"
Ny vavahadin'ny tanàna dia fandraisana ny fanapahan-kevitra lehibe ara-dalàna, toy ny fanapahan-kevitra momba izay tompon-tany.
"ireo olona izay niara-nivory teo akaikin'ny vavahady"
Misy dikany ara-bakiteny sy hevitra ambadika izany. Rehefa nanambady an'i Boaza i Rota, dia hiditra ao an-tranony izy. Ny trano ihany koa dia afaka manondro ny hoe tafiditra fianakavian'i Boaza amin'ny maha vadiny azy.
Ireo no vady roa an'i Jakoba, izay novaina ny anarany tamin'ny Israely.
"niteraka maro izay tonga firenen'ny Israely"
Efrata no anaran'ilay fikambanana nisy an'i Boaza tany Betlehema.
Notahin'Andriamanitra be dia be i Joda tamin'ny alalan'i Fareza zanany. Ny vahoaka dia nangataka tamin'Andriamanitra mba hitahy an'i Boaza toy izany amin'ny alalan'ny zanak'i Rota.
Vehivavy maty vady ihany koa i Tamara. Joda dia niteraka zazalahy niaraka taminy, izay nanohy ny anaran'ny ankohonana.
Yaveh dia hanome zaza amin'ny alalan'i Rota i Boaza.
"Nanambady an'i Boaza i Rota" na "Boaza dia naka an'i Rota ho vady"
"Niray taminy izy"
"izay nanome anao havana akaiky tsara anio"
Io dia manondro ny laza sy ny toetran'ny zafikelin'i Naomy.
Io andian-teny io dia mety hilazana ny fiainan'i Naomy fifaliana sy fanantenana indray eo amin'ny fiainany vokatry ny fananana zafikely vaovao. DH: "izay mitondra fifaliana ho anao indray" na "izay mahatonga anao hahatsiaro ho tanora indray"
"hikarakara anao izy rehefa antitra ianao"
"Fito" dia isa hebreo feno. Samy maty ny zanakalahin'i Naomy mialohan'ny nanomezan'izy reo fanatitra, kanefa i Rota dia niteraka ny zafikeln'i Naomy tamin'ny alalan'i Boaza. DH: "tsara taminao mihoatra ny zanaka lahy
Izany dia manondro an'i Naomy izay mandray ilay zaza. Atovy azo antoka fa tsy milaza io hoe nalainy tamin'i Rota izany.
"nitazona azy teo an-tratrany izy." Ity dia fanambarana fitiavana sy fitiavana ny zaza.
"Sahala amin'ny zanak'i Naomy ilay zaza." Tsiahivina fa zafikelin'i
"rain'i Davida Mpanjaka." Na dia tsy voalaza aza ny "mpanjaka", dia nazava tamin'ny mpihaino tany am-boalohany fa i Davida no Davida Mpanjaka.
"ny taranaka mandimby." Satria voalaza taloha tany fa i Fareza dia zanak'i Joda, dia nanohy ny lisitry ny fianakavian'i Fareza ny mpanoratra
1 Nisy lehilahy iray avy ao Ramataima an'i Zefotita, tany havoan'ny Efraima; ny anarany dia Elkana zanaka lahin'i Jeroama zanaka lahin'i Eliho zanaka lahin'i Toho zanaka lahin'i Zofa, ilay Efraimita. [1]2 Nanana vady anankiroa izy, ny voalohany dia i Hana, ary ny anaran'ilay faharoa dia i Penina. Nanan-janaka i Penina, fa i Hana kosa tsy mba nanana. 3 Io lehilahy io dia isan-taona no niala avy any amin'ny tanànany mba hanompo sy hanao sorona ho an'i Yaveh tompon'ny maro ao Silo. Tao ireo zanaka roa lahin'i Ely, Ofnia sy Finehasa, mpisoron'i Yaveh. 4 Rehefa tonga ny anjara andro hanaovan'i Elkana sorona isan-taona, dia nanome ampahana hena an'i Penina vadiny lalandava izy, ary ho an'ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy rehetra. 5 Fa ho an'i Hana kosa dia ampahany roa foana no nomeny azy, satria tiany i Hana, na dia efa nataon'i Yaveh momba aza izy. 6 Nihantsy azy fatratra ny rafivaviny mba haharangitra azy, satria Yaveh nahamomba azy. 7 Koa isan-taona, rehefa niakatra tany an-tranon'i Yaveh izy mbamin'ny fianakaviany, dia nihantsy azy hatrany ny rafivaviny. Noho izany dia nitomany sy tsy nihinana na inona na inona izy. 8 Fa i Elkana vadiny niteny taminy mandrakariva hoe: "Hana, nahoana ianao no mitomany? Nahoana ianao no tsy misakafo? Nahoana ny fonao no malahelo? Tsy tsara aminao noho ny zanaka lahy folo ve aho? 9 Indray mandeha, dia niainga i Hana rehefa avy nihinana sy nisotro tao Silo izy ireo. Ary Ely mpisorona nipetraka teo amin'ny sezany teo akaikin'ny vavahadin'ny tempolin'i Yaveh. 10 Ory tanteraka izy; nivavaka tamin'i Yaveh izy ary nitomany mafy. 11 Nanao voady izy ary nanao hoe: "Ry Yaveh tompon'ny maro, raha hitanao ny fahorian'ny mpanomponao dia tsarovy aho, ary aza manadino ny mpanomponao, fa omeo zanaka lahy kosa ny mpanomponao, dia ho atolotro an'i Yaveh izy amin'ny androm-piainany rehetra, ary tsy hisy hareza hikasika ny lohany." 12 Ary raha mbola nanohy nivavaka teo anatrehan'i Yaveh izy, dia nojeren'i Ely ny vavany. 13 Niteny tao am-pony i Hana. Nihetsiketsika ny vavany, saingy tsy re ny feony. Ka dia nieritreritra i Ely fa mamo izy. 14 Dia hoy i Ely taminy: "Hafiriana ianao no ho mamo? Mialà amin'ny divainao." 15 Hana namaly hoe: "Tsia tompoko, vehivavy ory am-panahy aho. Tsy nisotro aho na divay na zava-mahamamo, fa mamboraka ny ato anatiko eto anatrehan'i Yaveh aho. 16 Aza heverina ho vehivavy tsy misy henatra ny mpanomponao; niteny tamin'ny haben'ny fahoriako sy ny fihantsiana ahy aho." 17 Ary Ely namaly ka nanao hoe: "Mandehana am-piadanana; Andriamanitr'Israely anie hamaly ny fangatahana izay nangatahinao taminy." 18 Hoy ilay vehivavy: "Aoka hahita sitraka eo imasonao ny mpanomponao." Dia nandeha tamin'ny lalany ravehivavy ka nihinana; tsy nalahelo intsony ny endriny. 19 Niainga vao mangiran-dratsy izy ireo ka nanompo teo anatrehan'i Yaveh, ary niverina tany an-tranony tany Rama indray izy ireo avy eo. Niara-nandry tamin'i Hana vadiny i Elkana, ary Yaveh nahatsiaro azy. 20 Rehefa tonga ny fotoana, dia nitoe-jaza i Hana ary niteraka zaza lahy. Niantso ny anarany hoe: Samoela izy, nanao hoe: "Satria avy tamin'i Yaveh no nangatahako azy." 21 Elkana sy ireo ankohonany rehetra dia niakatra indray mba hanolotra ny sorona isan-taona ho an'i Yaveh ka nanefa ny voadiny. 22 Fa i Hana kosa tsy nandeha; efa niteny tamin'ny vadiny izy hoe: "Tsy handeha aho mandra-pisara-nono ny zazakely; ary ho entiko izy, mba hahafahany miseho eo anatrehan'i Yaveh ary hitoetra any mandrakizay." 23 Hoy i Elkana vadiny taminy hoe: "Ataovy izay hitanao fa tsara aminao. Miandrasa mandra-pampisarahanao nono azy; saingy, Yaveh ihany anie no hanamafy ny teniny." Dia nijanona ilay vehivavy ary nitaiza ny zanany lahy mandra-panasarahany nono azy. 24 Rehefa nosarahany nono izy, dia nentiny niaraka taminy, niaraka tamin'ny zanak'omby kely telo taona iray, sakafo iray efaha, ary tavoahangin-divay iray, ka nentiny tao an-tranon'i Yaveh tao Silo izy. Ary mbola kely ilay zaza. 25 Novonoin'izy ireo ny zanak'omby, ary nentiny tany amin'i Ely ilay zaza. 26 Hoy izy hoe: "O, ry tompoko! Raha mbola velona koa ianao, ry tompoko, izaho ilay vehivavy izay nijoro teo akaikinao nivavaka tamin'Yaveh. 27 Fa ity zaza ity no nivavahako ary nomen'i Yaveh ahy ny fangatahako izay nangatahiko taminy. 28 Efa nomeko an'Yaveh izy, raha mbola velona koa izy dia hatolotra an'i Yaveh." Dia nanompo an'iYaveh teo izy. [2]
Anarana vohitra kely izay mety ho valo kilometatra avaratra-andrefan'i Jerosalema io.
Izany no anaran'ny vondron'olona izay avy amin'ny taranak'i Zofa.
Anaran-dehilahy ireo.
Anaram-behivavy io.
Ny hoe "Io lehilahy io" dia manondro an'i Elkana.
Io no anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny olona ao amin'ny Testamenta Taloha. Mahakasika ny fomba tokony handikana izany dia jereo ny pejin'ny fandikana ny Teny momba an'i Yaveh.
Anaran-dehilahy ireo.
Anaram-behivavy io. Adikao araka ny ao amin'ny 1.1.
"nahamomba azy" na "nanakana azy tsy hitoe-jaza"
Nampalahelo sy nanala baraka an'i Hana matetika ilay vadin'ny vadiny iray hafa.
Penina, ilay vadin'i Elkana iray hafa io. Ny rafy dia olona izay mifanandrina amin'ny olona iray hafa. Amin'ity toe-javatra iray ity dia mifaninana amin'ny Hana i Penina mba hitiavan'i Elekana azy kokoa.
Ireo fanontaniana fampisainana ireo dia azo adika ho fanambarana tsotra, raha ilaina. DH: "Hana, tsy tokony hitomany ianao. Tokony hisakafo ianao, ary tokony hifaly ny fonao satria tsara kokoa noho ny zanaka lahy folo aho!" na "Kely monja ny antony tokony halahelovanao. Iangarako ianao ary tokony ho ampy izany."
Ampiasain'i Elkana io fomba fiteny io mba hanindriana ny amin'ny lanjan'i Hana aminy.
Manomboka mivavaka amin'i Yaveh i Hana, ary mitazana i Ely.
Ny fampahafantarana tsy mazava eto dia azo atao mazava. Na akaikin'ny lain'ny tabernakely ny lain'i Hana na nandeha avy ao an-dainy ho ao amin'ny tabernakely mba hivavaka izy. DH: "Niainga i Hana ary nankao an-tranon'i Yaveh mba hivavaka rehefa avy"
Ny hoe "Ary" eto dia ampiasaina mba hanamarihana fiatona eo amin'ny fizotry ny tantara. Eto ny mpanoratra dia miresaka momba ny olona vaovao ao amin'ny tantara. Ely mpisorona io olona io.
Ny "tempoly" dia trano lay tamin'ny tena izy, saingy tao no nivavahan'ny olona, koa tsara ny mandika izany hoe "tempoly" eto.
Ory sady nalahelo mafy i Hana nohon'ny amin'ny tsy fananan-janaka sy fanaovan'i Penina, ilay vadin'ny ny vadiny iray hafa, azy ho fiomehazana matetika.
Mitohy ny vavak'i Hana amin'i Yaveh.
Io dia manondro 1) na i Hana tsy afaka mitoe-jaza na 2) ny fomba nandrabirabian'i Penina azy. Ny Ny anarana hoe "fahoriana" dia azo adika amin'ny endrika andian-teny misy matoanteny. DH: "ny fijaliako satria tsy afaka mitoe-jaza aho" na "ny fampijalian'iny vehivavy iny ahy"
Fangatahana manokana amin'Andriamanitra mba hietsika ho an'i Hana io. Tena fantatr'Andriamanitra izay manjo an'i Hana; tsy nadinoiny izany.
Saiky mitovitovy amin'ny hoe "tsarovy aho" ihany ny lazain'io andian-teny io.
Ely no lohan'ny mpisorona, noho izany dia izy no tao amin'ny tabernakelin'Andriamanitra sy nisahana izany.
"Vehivavy malahelo mafy aho"
Io dia fomba fiteny izay midika hoe "milaza amin'i Yaveh ny fihetseham-poko lalina aho"
Ataon'i Hana hoe "mpanomponao" ny tenany mba hanehoana ny fanetren-tenany. DH: "Aza raisinao ho ... izaho, mpanomponao" na "Aza raisinao ho... aho"
Fomba iray hafa ilazana fa "ory am-panahy" io, tahaka ny ao amin'ny 1:15. Ny teny hoe "habe," "fahoriana," ary "fihantsiana" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra sy matoanteny. DH: "Niteny aho satria malahelo tokoa, ary ny rafiko tena nihantsy ahy mafy"
Ireo teny ireo dia samy midika fa malahelo sady sorena i Hana satria nihantsy azy ny rafiny.
Manirikiry sy mahasorena azy i Penina.
Milaza ny alahelo sy ny henatra tsapany i Hana satria lozabe aminy i Penina.
Ely no lohan'ny mpisorona nitoetra teo amin'ny tabernakely.
Ataon'i Hana hoe "mpanomponao" ny tenany mba hanehoana fanajana amin'i Ely, lohan'ny mpisorona. DH: "Avelao aho, mpanomponao, hahita" na "Aoka aho hahita"
Eto ny fahitana dia maneho fitsarana sy fanapahan-kevitra ny amin'ny lanjan'ny zavatra iray. DH: "amin'ny fitsaranao"
eto ny "endrika" dia manondro an'i Hana mihitsy. Azonao atao fehezanteny misaraka io, raha ilaina. DH: "ary nihinana. Izy dia" na "ary nihinana. Hitan'ny olona fa ... izy"
Fantatr'Andriamanitra ny nanjo an'i Hana; tsy nohadinoiny akory. Misy teny mitovy amin'izay ao amin'ny 1:11.
"lasa bevohoka i Hana"
Ny teny hoe "ankohonana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona mipetraka ao amin'ilay trano. DH: "ny fianakaviany"
tsy misotro ronono ary manomboka mihinana vetin-kanina
Nampanatena tamin'Andriamanitra i Hana fa havelany hitoetra sy hiasa miaraka amin'i Ely mpisorona ao an-tempoly i Samoela (1:11).
"nampinono ny zanany"
Ny efaha iray dia zavatra maina 22 litatra.
Tao anaty tavoahangy vita amin'ny hodi-biby, fa tsy tavoahangy vera no nitehirizana ny divay.
Eto ny fomba fiteny hoe "raha mbola velona koa ianao" dia mampiseho fa mahitsy fo sy marina i Hana. DH: "Tompoko, marina tokoa izay ho lazaiko aminao"
Toy ny hoe zavatra mivaingana izay afaka omen'ny olona ho an'ny hafa ny fangatahana raha ny firesak'i Hana, ary ny fangatahana koa dia resahiny toy ny hoe izany no valin'ny fangatahana izay nataony. Ny anarana hoe "fangatahana" dia azo adika amin'ny endrika andian-teny misy matoanteny. DH: "nanaiky hanao izay nangatahiko tamin'ny fomba manetriketrika mba hataony"
Io dia azo adika hoe DH: "ampindramiko an'i Yaveh izy"
Ny hoe "izy" dia manondro an'i Elkana, saingy ny UDB sy ny dikan-teny maro hafa dia mandray izany ho fibangoan-teny ilazana an'i Elkana sy ny fianakaviany.
1 Nivavaka Hana ka nanao hoe: "Ny foko mifaly ao amin'i Yaveh. Ny tandroko misandratra amin'i Yaveh. Ny molotro mirehareha manoloana ireo fahavaloko, satria mifaly amin'ny famonjenao aho. 2 Tsy misy masina tahaka an'i Yaveh, fa tsy misy hafa ankoatra Anao; tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika. 3 Aza mirehareha loatra intsony; aoka tsy ho aloaky ny vavanao ny fiavonavonana. Fa Yaveh no Andriamanitry ny fahalalana; amin'ny alalany no handanjana ny asa. 4 Ny tsipìkan'ireo lehilahy mahery dia tapaka, fa ireo tafintohina kosa dia misikin-kery tahaka ny fehikibo. 5 Ireo izay voky dia nikarama mofo; ireo izay noana dia nitsahatra tamin'ny hanoanana. Na ny momba aza miteraka fito, fa ny vehivavy manan-janaka maro kosa dia mivalaketraka. 6 Yaveh no mahafaty sy mitondra ho amin'ny fiainana. Izy no mampidina any amin'ny fianan-tsy hita ary manangana. 7 Yaveh no mampahantra ny olona sasany ary mampanan-karena ny sasany. Mampietry Izy, nefa mampisandratra ihany koa. 8 Mampitraka ny mahantra hiala amin'ny vovoka Izy. Mampisandratra ny ory hiala amin'ny lavenona mba hametraka azy ireo miaraka amin'ny andrian-dahy ka handova ny sezam-boninahitra. Ny andrin'ny tany rehetra dia an'i Yaveh ary teo amin'ireo no nametrahany an'izao tontolo izao. 9 Ho ambenany ny tongotry ny olony mahatoky, fa ny ratsy fanahy kosa dia hampanginina any amin'ny aizim-pito, satria tsy misy handresy amin'ny hery. 10 Ireo izay manohitra an'i Yaveh dia ho potipotika; hampikotrok'orana avy any an-danitra hanohitra azy ireo Izy. Yaveh no hitsara ny ny faran'ny tany rehetra; hanome hery ny mpanjakany Izy ary hanandratra ny tandrok'ilay voahosony." 11 Avy eo i Elkana dia nankany Rama, tany an-tranony. Nanompo an'Andriamanitra teo amin'ny fanatrehan'i Ely mpisorona ny zaza. 12 Ary lehilahy ratsy fanahy ireo zanaka lahin'i Ely. Tsy nahalala an'i Yaveh izy ireo. 13 Ny fanaon'ny mpisorona miaraka amin'ireo vahoaka rehefa nisy lehilahy nanolotra sorona, dia manatona ny mpanompon'ny mpisorona ka mitondra fitrebika telo rantsana eny an-tanany, raha mbola mangotraka ny hena. 14 Hatsindrony ao anaty lasitra izany, na fandrahoana hena, na vilany, na vilanibe. Ireo rehetra azon'ny fitrebika ao dia alain'ny mpisorona ho azy. Nataon'izy ireo tao Silo niaraka tamin'ireo Israelita rehetra izay tonga tao izany. 15 Ratsy lavitra aza, mialohan'ny nandoran'izy ireo ny jabora, dia tamy ny mpanompon'ny mpisorona, ary niteny tamin'ilay lehilahy izay nanao ny sorona hoe: "Omeo hena ho atsatsika ny mpisorona, fa tsy hanaiky hena nandrahoina avy aminao izy, fa ny manta ihany." 16 Raha miteny aminy ilay lehilahy hoe, "Tsy maintsy doran'izy ireo aloha ny jabora, ary avy eo dia afaka maka betsaka araka izay tinao ianao." Dia valiany hoe: "Tsia, fa omenao izao ankehitriny izao ihany izany; fa raha tsy izany, dia ho alaiko an-keriny izany." 17 Lehibe dia lehibe tokoa ny helok'ireo zatovo lahy manoloana an'i Yaveh, satria nataon'izy ireo tsinontsinona ny fanatitra an'i Yaveh. 18 Fa i Samoela dia nanompo an'i Yaveh raha mbola zaza niakanjo efoda rongony fotsy. 19 Nanamboaran-dreniny akanjo lava kely izy ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, rehefa niakatra niaraka tamin'ny vadiny mba hanolotra ny fanatitra fanao isan-taona izy. 20 Ary Ely nitso-drano an'i Elkana sy ny vadiny ka niteny hoe: "Hanome anao zaza maro amin'ity vehivavy ity anie Andriamanitra nohon'ny fangatahana izay nataony tamin'i Yaveh." Avy eo dia niverina tany an-tranony izy ireo. 21 Nanampy an'i Hana indray i Yaveh, ka nitoe-jaza indray izy. Niteraka telo lahy sy roa vavy izy. Nandritra izany fotoana izany, dia nitombo teo anatrehan'i Yaveh i Samoela zaza. 22 Ary efa ntitra tokoa i Ely; reny avokoa izay rehetra nataon'ireo zanany lahy tamin'ny Israely rehetra, sy ny nandrian'izy ireo niaraka tamin'ny vehivavy izay nanompo eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana. 23 Hoy izy tamin'izy ireo: "Fa maninona ianareo no manao zavatra tahaka izany? Efa reko tamin'ny olon-drehetra avokoa ny zava-dratsy nataonareo. 24 "Tsia, ry zanako; tsy tatitra tsara no reko. Mahatonga ny vahoakan' i Yaveh tsy hankatoa ianareo. 25 "Raha misy olona iray manota amin'ny iray hafa, dia hotsarain'Andriamanitra izy; fa raha misy lehilahy iray manota amin'i Yaveh, iza no hisolo vava azy?" Fa tsy hihaino ny feon'ny rainy izy ireo, satria Yaveh efa nikasa ny hahafaty azy ireo. 26 Niha-lehibe i Samoela zaza, ary nitombo fitia tamin'i Yaveh sy tamin'ny olona ihany koa. 27 Ary nisy lehilahin'Andriamanitra iray nanatona an'i Ely ka nanao taminy hoe: "Izao no nolazain'i Yaveh, 'Tsy efa nampiseho ny tenako taminao tamin'ny ankohonan'ireo razambenao ve Aho, raha mbola tany Egypta tamin'ny fanandevozan'ny ankohonan'i Farao izy ireo? 28 Nofidiko tanatin'ireo fokon'Israely rehetra izy mba ho mpisoroko, mba hiakatra eny amin'ny alitarako, ary mba handoro ny ditin-kazo manitra, mba hiakanjo efoda manoloana Ahy. Nomeko ho an'ny taranaky ny razambenao ireo fanatitra rehetra nataon'ny vahoakan'ny Israely tamin'ny afo. 29 Nahoana ary, ianao no maniratsira ireo sorona sy fanatitro izay notakiako ho eo amin'ny toerana fonenako? Nahoana no omenao voninahitra mihoatra ahy amin'ny fanatavezana ny tenanareo amin'ny tsara indrindra avy amin'ny fanatitra rehetran'ny Israely vahoakako ny zanakao?' 30 Fa Yaveh, Andriamanitr'Israely, miteny hoe: 'Nampanantena Aho fa ny taranakao, sy ny ankohonan'ny razambenao, dia handeha eo anatrehako mandrakizay.' Nefa ankehitriny kosa dia hoy Yaveh: 'Sanatria Amiko ny hanao izany, izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, fa izay manao tsinontsinona Ahy kosa no ho tsinontsinoaviko. 31 Indro, ho avy ny andro izay hanapahako ny herinao sy ny herin'ny ankohonan'ny razambenao, ka tsy hisy lehilahy ho tratra antitra intsony amin'ny taranakao. 32 Hahita fahoriana eny amin'izay toerana honenako ianao. Na dia omena soa aza ny Israely, dia tsy hisy lehilahy ho tratra antitra intsony amin'ny taranakao. 33 Ny sasany aminareo izay tsy ho esoriko amin'ny alitarako, dia ho ataoko pahina ny masonareo, ary ahatonga alahelo ny amin'ny fiainanareo Aho. Ireo lehilahy rehetra izay teraka ao amin'ny fianakavianareo dia ho faty. 34 Izao no famantarana ho anao izay hanjo ireo zanakao roa lahy, amin'i Hofinia sy Finehasa: Samy ho faty amin'ny andro iray izy miralahy ireo. 35 Hanangana mpisorona mahatoky ho an'ny tenako izay hanatanteraka ny ao am-poko sy ny ao amin'ny fanahiko Aho. Hanorina trano azo antoka ho azy Aho; ary handeha eo anoloan'ny mpanjaka izay voahosotro mandrakizay izy. 36 Izay rehetra sisa tavela amin'ny taranakao dia ho avy ary hiankohoka eo aminy, hangataka sombim-bolafotsy sy mofo, ary hiteny hoe: "Mba tendreo ho isan'ny iray amin'ireo mpisoronao re aho mba hahafahako mihinana sombi-mofo iray.""'
Mihira fihirana ho an'i Yaveh i Hana.
"Manana fifaliana lehibe aho"
"noho no maha-izy an'i Yaveh" na "Lehibe tokoa Yaveh"
Ny tandroka dia mariky ny hery. DH: "Mahery aho ankehitriny"
Manohy mihira fihirana ho an'i Yaveh i Hana.
Io dia fomba iray hafa ilazana fa mahery sy mahatoky Andriamanitra.
Izany dia vato lehibe ampy hiafenana na hijoroana mba ho ambonin'ireo fahavalo.
Manohy mihira fihirana ho an'i Yaveh i Hana. Miteny toy ny hoe misy olona hafa miresaka aminy izy.
"teny miavonavona"
Io dia azo adika hoe DH: "Izy no mandanja ny asan'ny olona" na "fantany ny antony anaovan'ny olona fihetsika tahaka ny ataony"
Ireo mety ho hieviny dia 1) ireo tsipìka mihitsy no tapaka na 2) voasakana tsy hanao na inona na inona ireo olona mitondra ny tsipìka. DH: "Tsy afa-miasa ireo mpandefa tsipìka mahery"
Io dia azo adika hoe DH: "Tapahin'i Yaveh ny tsipìkan'ireo lehilahy mahery" na "Afaka mampahosa na dia ireo mahery indrindra aza Yaveh"
Io sarinteny io dia midika fa tsy ho tafintohina intsony izy ireo, fa hitoetra mafy tahaka ny fehikibo ny heriny. DH: "hampatanjaka ireo izay tafintohina Izy"
Teny amin'ny ankapobeny ilazana ny famatorana zavatra eo amin'ny valahana mba hiomanana ho amin'ny asa izany.
Manohy mihira fihirana ho an'i Yaveh i Hana.
"miteraka zaza fito"
"lasa osa, malahelo ary manirery"
Manohy mihira fihirana ho an'i Yaveh i Hana.
Yaveh no mifehy ny zavatra rehetra.
Manohy mihira fihirana ho an'i Yaveh i Hana.
Ireo dia sarinteny ilazana ny toerana ambany indrindra eo amin'ny fiarahamonina.
olona izay tsy manana ny zavatra ilainy
Manohy mihira fihirana ho an'i Yaveh i Hana.
Eto ny hoe "tongotra" dia ilazana ny fomba fandehan'ny olona iray, izay sarinteny ilazana ny fanapahan'ny olona hevitra ny amin'ny fomba hiainany ny fiainany. DH: "miaro ny olony mahatoky tsy handray fanapahan-kevitra adaladala" na "mahatonga ny olony mahatoky handray fanapahan-kevitra hendry"
Io dia fomba mihaja ilazana fa hamono ny ratsy fanahy Yaveh ary azo atao hoe DH: "hampanginin'i Yaveh any amin'ny aizim-pito ny ratsy fanahy" na "Halefan'i Yaveh any amin'ny tontolon'ny maty izay maizina sady mangina ny ratsy fanahy"
Io dia azo atao hoe DH: "Hampanginin'i Yaveh izy ireo"
"satria mahery Izy"
Manohy mihira fihirana ho an'i Yaveh i Hana.
Io dia azo atao hoe DH: "Ho potehin'i Yaveh ireo izay manohitra azy"
"Resy" no dikan'io fomba fiteny io.
Io dia fomba fiteny izay midika hoe na aiza na aiza. DH: "ny tany manontolo"
Ny tandroka dia mariky ny hery. Jereo ny fomba nandikanao ny teny mitovy amin'izany ao amin'ny 2:1. DH: "hataony mahery noho ny fahavalony ireo mpitarika izay nofidiany"
Ny olona izay nofidian'i Yaveh ary nomeny hery ho amin'ny tanjony dia resahina toy ny hoe nosorany menaka izany olona izany. DH: "ilay iray izay nosorany" na "ilay iray izay nofidiany"
Rehefa nanolotra biby ho sorona ny olona, dia nodorany aloha ny tavin'ilay biby ary avy eo dia nandrahoiny ny hena ary nohaniny.
"tsy nihaino an'i Yaveh" na "tsy nankatoa an'i Yaveh"
Ny fanao dia zavatra izay ataon'ny olona matetika.
Ireo dia fitoerana izay afaka andrahoina sakafo. Raha tsy manana teny samihafa ilazana ireo zavatra ireo ny fiteninao dia azonao ambara amin'ny ankapobeny kokoa izany. DH: "ao anaty izay rehetra nandrahoan'ny olona ny hena"
fitoerana vy kely fapangotrahana na fandrahoana
fitoerana vy lehibe sady mavesatra fampangotrahana na fandrahoana
fitoerana vy lehibe sady mavesatra fampangotrahana na fandrahoana
fitoerana fandrahoana vita amin'ny tanimanga
Rehefa nanolotra biby ho sorona ny olona, dia nodorany aloha ny tavin'ilay biby ary avy eo dia nandrahoiny ny hena, nanomezany kely ho an'ny mpisorona, ary nohaniny ny ambiny.
"Nanao zavatra ratsy lavitra noho izany aza izy ireo. Mialohan'ny"
Azo atao mazava ilay olona izay tena nanao ny fandorana. DH: "nentin'ilay nanao ny sorona teo amin'ny mpisorona ilay sorona ary ilay mpisorona no nandoro"
"Omeo kely amin'ny hena aho mba hanomezako izany ho an'ny mpisorona mba handorany azy"
andrahoina amin'ny afo
andrahoina amin'ny rano
tsy nandrahoina
Tsy tian'ireo tovolahy ny torolalan'i Yaveh mahakasika ny fanatitra ka tsy norarahiany.
Nangataka zaza tamin'i Yaveh i Hana ary nampanantena Azy fa hatolony hanompo ao an-tempoly io zaza io.
Teo amin'izay nahitan'i Yaveh azy sy nahafahan'i Samoela nianatra momba an'i Yaveh no hevitr'izany.
Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Loza ny nanaovanao zavatra tahaka izany!"
Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "tsy misy olona afaka hisolo vava azy tokoa."
"mangataka an'i Yaveh mba hamindra fo aminy"
Io dia fibangoan-teny ary ny feo dia maneho ilay olona. DH: "ny rainy" na "izay nolazain'ny rainy"
Matetika io andian-teny io dia midika hoe mpaminanin'i Yaveh. DH: "olona izay mandre ary milaza ny teny avy amin'Andriamanitra"
Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Tokony ho fantatrao fa efa nampiseho ny tenako ...razambenao Aho."
Ny teny hoe "ankohonana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona izay monina ao amin'ilay trano. DH: "ny fianakavian'ny razanao"
Arona
Ilazana ny fanaovana fanatitra ho an'i Yaveh io.
Ny teny hoe "hiakanjo efoda" dia fibangoan-teny ilazana ny asan'ny mpisorona izay manao efoda. DH: "mba hanao izay nandidiako hataon'ny mpisorona"
Manohy miresaka amin'i Ely ilay lehilahin'Andriamanitra.
Fibedesana io fanontaniana fampisainana io. Azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra io. DH: "Tsy tokony hanao tsinontsinona ny soroko ianao ... fonenako."
"ny toerana izay hanateran'ny olona fanatitra ho Ahy"
Ny ampahany tsara indrindra amin'ilay fanatitra dia tokony ho dorana ho fanatitra ho an'i Yaveh, kanefa nohanin'ireo mpisorona.
Ny teny hoe "ankohonana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona izay monina ao amin'ilay trano. Adikao araka ny ao amin'ny 2:27. DH: "ny fianakavian'ny razanao"
Io dia fomba fiteny izay midika hoe "miaina amin'ny fankatoavana Ahy."
"Tsy havelako hanompo Ahy mandrakizay tokoa ny fianakavianao"
Ny teny hoe "tsinotsinoaviko" dia fanalefahan-teny fanesoana ilazana ny hoe "hamavoina tokoa." Io dia azo atao hoe DH: "ho tsinontsinoaviko ireo izay manao tsinontsinona Ahy" na "Hamavoiko tokoa ireo izay manamavo Ahy"
"Henoy tsara izay ho lazaiko" na "Zava-dehibe tokoa izay ho lazaiko"
Ny teny hoe "hanapahako ny herinao" dia mety ho fanalefahan-teny ilazana ny fahafatesan'ny lehilahy mahery sady tanora; ny teny hoe "ny ankohonan'ny rainao" dia ilazana ny hoe "fianakavianao." DH: "Hovonoiko ianao sy ny taranaka lahy tanora sy mahery eo amin'ny fianakavianao"
"ho lahy antitra"
"hahatonga anao tsy hahita" na "hahajamba anao"
Fomba fiteny io. DH: "Hataoko mpisorona ny lehilahy iray"
Fomba fiteny io. DH: "hanompo Ahy"
"izay tiako hataony sy izay asaiko ataony"
Eto ny "trano" dia fomba fiteny ampiasaina ilazana ny "taranaka." DH: "Hataoko azo antoka fa hanana taranaka izay hanompo ho mpisorona foana izy"
ilay mpisorona mahatoky izay hatsangan'Andriamanitra
Eto ny hoe "sombi-mofo" dia ampiasaina ilazana ny "sakafo." DH: "mba hananako zavatra hohanina"
1 Nanompo an'i Yaveh teo amin'ny fanatrehan'i Ely i Samoela zaza. Vitsy ireo tenin'i Yaveh tamin'ireo andro ireo; tsy dia nisy fahitana ara-paminaniana matetika. 2 Tamin'izany fotoana izany, Ely, izay efa nanomboka pahina masony ka tsy mahita tsara, dia nandry teo am-pandriany. 3 Mbola tsy maty ny fanilon'Andriamanitra, ary nandry mba hatory tao amin'ny tempolin'i Yaveh i Samoela, tao amin'izay nisy ny fiaran'Andriamanitra. 4 Yaveh niantso an'i Samoela, izay nanao hoe: "Inty aho." 5 Nihazakazaka nankany amin'i Ely i Samoela niteny hoe: "Inty aho, fa niantso ahy ianao." Hoy i Ely: "Tsy niantso anao aho, miverena mandry." Ka nandeha i Samoela ary nandry. 6 Niantso indray i Yaveh hoe: "Ry Samoela." Dia nitsangana indray i Samoela ary nankany amin'i Ely, nanao hoe: "Inty aho, fa niantso ahy ianao." Dia namaly i Ely hoe: "Tsy niantso anao aho, ry zanako, miverena mandry." 7 Ary Samoela dia mbola tsy dia nahafantatra loatra an'i Yaveh, na nisy hafatra avy amin'i Yaveh mbola nambara taminy. 8 Niantso an'i Samoela fanintelony indray i Yaveh. Nitsangana indray i Samoela ary nankany amin'i Ely sy niteny hoe: "Inty aho, fa niantso ahy ianao." Dia fantatr'i Ely fa i Yaveh no niantso ilay zazalahy. 9 Dia hoy i Ely tamin'i Samoela: "Mandehana ary miverena mandry; raha mbola miantso anao indray Izy, dia tsy maintsy milaza ianao hoe: "Mitenena, ry Yaveh, fa mihaino ny mpanomponao."' Ka nandeha i Samoela ary nandry tamin'ny toerany indray. 10 Tonga i Yaveh ka nitsangana; niantso tahaka ny tamin'ireo fotoana hafa hoe: "Samoela, Samoela." Dia hoy i Samoela hoe: "Mitenena, ry Yaveh, fa mihaino ny mpanomponao." 11 Hoy i Yaveh tamin'i Samoela: "Indro, hanao zavatra amin'Israely Aho ka ny sofin'izay rehetra mandre izany dia hangorintsina. 12 Amin'izany andro izany dia hanatanteraka ny zavatra rehetra efa nolazaiko tamin'i Ely momba ny ankohonany, hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany Aho. 13 Nilaza taminy Aho fa hitsara ny ankohonany indray mandeha tsy miverina ny amin'ireo fahotana izay fantany, satria ireo zanany dia nitondra ozona tamin'ny tenan'izy ireo ary tsy nanakana azy ireo izy. 14 Noho izany dia nianiana tamin'ny ankohonan'i Ely Aho fa ireo fahotan'io ankohonana io dia tsy ho voahonitra amin'ny sorona na fanatitra mihitsy." 15 Nandry mandra-maraina i Samoela; dia nanokatra ny varavaran'ny tranon'i Yaveh izy. Fa natahotra ny hilaza tamin'i Ely momba ny fahitana i Samoela. 16 Avy eo dia niantso an'i Samoela i Ely ka nanao taminy hoe: "Ry Samoela, zanako." Dia hoy i Samoela hoe: "Inty aho." 17 Hoy izy: "Inona no teny nolazainy taminao? Aza afenina ahy re izany. Hanao izany aminao anie Andriamanitra, ary mihoatra noho izany aza, raha manafin-javatra amiko ny amin'ireo teny rehetra izay nolazainy anao ianao." 18 Dia nolazain'i Samoela taminy ny zava-drehetra; tsy nanafina na inona na inona taminy izy. Hoy i Ely: "Izy no Yaveh. Avelao Izy hanao izay mety hoe tsara Aminy." 19 Niha-lehibe i Samoela, ary i Yaveh dia niaraka taminy, ary tsy navelany hisy tamin'ireo teny faminaniany tsy ho tanteraka. 20 Ny Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba dia nahafantatra fa i Samoela dia voatendry ho mpaminanin'i Yaveh. 21 Niseho tao Silo indray i Yaveh, satria nanambara ny tenany tamin'ny teniny tamin'i Samoela tao Silo Izy.
"Tsy dia niresaka firy tamin'ny olona Yaveh"
Io dia fitoeran-jiro misampana fito tao amin'ny fitoerana masin'ny tabernakely izay nirehitra isan'andro ary nandritra ny alina mandra-pahalaniny.
Ny "tempoly" dia trano lay tamin'ny tena izy, saingy tao no nivavahan'ny olona, koa tsara ny mandika izany hoe "tempoly" eto. Adikao araka ny ao amin'ny 1:9.
Tsy tena rain'i Samoela i Ely. Miresaka toy ny hoe rain'i Samoela i Ely mba hampisehoana aminy fa tsy tezitra akory izy fa mila mihaino azy i Samoela.
Io dia azo atao hoe DH: "na nanambara hafatra taminy Yaveh" na "ary tsy mbola nanambara hafatra taminy mihitsy Yaveh"
Asain'i Ely miteny amin'i Yaveh toy ny hoe olon-kafa i Samoela mba hanehoan'i Samoela fanajana ho an'i Yaveh. DH: "aho"
Ireo mety ho heviny dia 1) Tena niseho tokoa Yaveh ary nitsangana teo anoloan'i Samoela na 2) Nataon'i Yaveh fantatr'i Samoela ny fanatrehany.
Miteny amin'i Yaveh toy ny hoe olon-kafa i Samoela mba hanehoa fanajana ho an'i Yaveh. DH: "aho"
Eto ny hoe "sofina ... hangoritsina" dia fomba fiteny izay midika fa ho voadonan'izay reny ny olon-drehetra. DH: "izay handona ny olon-drehetra izay mandre izany"
Fahatsapana toy ny hoe nisy nipaika moramora tamin'ny zavatra kely maranitra izany, matetika nohon'ny hatsiaka na satria nisy namely io ampahan'ny vantana io tamin'ny tanany.
Ilazana ny fahafenoina io. DH: "ny zavatra rehetra mihitsy"
"nanao ireo zavatra izay nambaran'i Yaveh fa hamaizany ireo izay manao izany"
Io dia azo adika hoe DH: "tsy misy sorona na fanatitra izay azon'ny olona atolotra ka hanonitra ny fahotan'ny ankohonany"
"ny fahotana izay nataony sy ny fianakaviany"
Amin'ny tena ilay "trano" dia lay, saingy tsara ihany ny mandika izany hoe "trano" eto.
Tsy tena rain'i Samoela i Ely. Miresaka toy ny hoe rain'i Samoela i Ely mba hampisehoana aminy fa tsy tezitra akory izy fa mila mihaino azy i Samoela. Adikao araka ny ao amin'ny 1:5.
"ny hafatra nomen'i Yaveh"
Fomba fiteny ho fanindriana ny amin'ny fahamatoran'i Ely io. DH: "Hanafay anao araka ny nolazainy hamaizana ahy anie Andriamanitra, ary mihoatra aza"
Io dia azo atao hoe DH: "nampitranga ny zavatra rehetra naminaniany"
"Ny vahoakan'Israely rehetra"
Io dia ilazana ny "lafin'ny tany rehetra." DH: "hatreo amin'ny ilan'ny tany iray ka hatramin'ny ilany hafa" na "hatrany Dana any avaratra indrindra ka hatrany Beri-sheba any atsimo indrindra"
Io dia azo atao hoe DH: "Notendren'i Yaveh"
1 Tonga tamin'ny Israely rehetra ny tenin'i Samoela. Ary nivoaka hiady tamin'ireo Filistina ny Israely. Nametraka toby teo Ebenezera izy ireo, ary nametraka toby teo Afeka kosa ireo Filistina. 2 Nilahatra hiady tamin'ny Israely ireo Filistina. Rehefa niely ny ady, dia resin'ireo Filistina izay nahafaty teo ho eo amin'ny efatra arivo lahy teo amin'ny sahan'ady ny Israely. 3 Rehefa niditra tao an-toby ny vahoaka, dia hoy ireo loholon'Israely hoe: "Nahoana Yaveh no naharesy antsika teo anatrehan'ireo Filistina androany? Andeha ho entintsika avy any Siloha hankaty ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, mba hiaraka amintsika aty izany, ka hiaro antsika amin'ny tanan'ireo fahavalontsika." 4 Koa dia naniraka lehilahy nankany Siloha ny vahoaka; avy any no nitondran'izy ireo ny fiaran'ny faneken'i Yaveh tompon'ny maro, izay mipetraka ambonin'ny kerobima. Teo niaraka tamin'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra ireo zanak'i Ely roa lahy, dia i Hofinia sy Finehasa. 5 Rehefa niditra tao an-toby ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, dia niara-namoaka hiaka mafy ny vahoakan'Israely rehetra, ary nanakoako ny tany. 6 Rehefa ren'ireo Filistina ny kotaban'ny hiakiaka, dia hoy izy ireo hoe: "Fa inona no dikan'izay tabataba mafy ao an-tobin'ny Hebreo izany?" Avy eo dia azon'izy ireo an-tsaina fa tonga tao an-toby ny fiaran'i Yaveh. 7 Natahotra ireo Filistina; hoy izy ireo hoe: "Misy andriamanitra tonga ao an-toby." Hoy izy ireo hoe: 8 "Loza ho antsika! Tsy mbola nisy zavatra nitranga toy izao taloha! Loza ho antsika! Iza no hiaro antsika amin'ny herin'ireo andriamanitra mahery ireo? Ireo no andriamanitra izay namely ny Egyptiana tamin'ny loza maro isan-karazany tany an'efitra. 9 Alao hery, ary mbà lehilahy, ianareo ry Filistina, sao ho tonga andevon'ny Hebreo ianareo, tahaka ny naha-andevonareo azy ireo. Mbà lehilahy, ka miadia." 10 Dia niady ireo Filistina, ary resy ny Israely. Nandositra tany an-tranony avokoa ny lehilahy rehetra, ary henjana tokoa ny famonoana; fa miaramila mijoro telo alina avy amin'ny Israely no lavo. 11 Lasa ny fiaran'i Yaveh, ary maty i Hofinia sy Finehasa, zanak'i Ely roa lahy. 12 Nisy lehilahin'i Benjamina iray nihazakazaka avy tany amin'ny filaharan'ady ka nankany Siloha tamin'io andro io ihany, tonga niaraka tamin'ny akanjony rovitra sy vovo-tany teo an-dohany. 13 Rehefa tonga izy, dia nipetraka teo amin'ny sezany teo amoron-dalana nitazana i Ely satria nangorohoro ny amin'ny fiaran'Andriamanitra ny fony. Rehefa niditra ny tanàna ilay lehilahy ary nilaza ny vaovao, dia nihiaka mafy ny tanàna iray manontolo. 14 Rehefa ren'i Ely ny kotaban'ny hiakiaka, dia hoy izy hoe: "Inona no dikan'izao korontana izao?" Tonga faingana ilay lehilahy ary nitantara tamin'i Ely. 15 Ary valo amby sivifolo taona i Ely; pahina ny masony, ary tsy nahita izy. 16 Hoy ilay lehilahy tamin'i Ely: "Izaho ilay iray izay avy any amin'ny laharan'ady. Nandositra ny ady aho androany." 17 Hoy Ely hoe: "Nanahoana ny fizotrany, anaka?" Namaly ilay lehilahy nitondra ny vaovao ka nanao hoe: "Nandositra an'ireo Filistina ny Israely. Ary koa, nisy faharesena goavana teo amin'ny vahoaka. Ary koa, maty Hofinia sy Finehasa, zanakao roa lahy, ary lasa ny fiaran'Andriamanitra." 18 Rehefa nanonona ny fiaran'Andriamanitra izy, dia nidoboka nitsimbadika avy teo an-tsezany teo akaikin'ny vavahady i Ely. Tapaka ny vozony, ka maty izy, satria efa antitra sady reraka. Nitsara ny Israely nandritra ny efa-polo taona izy. 19 Ary ny vinantovaviny, vadin'i Finehasa, dia nitoe-jaza ary efa ho teraka. Rehefa nandre ny vaovao izy fa lasa ny fiaran'Andriamanitra ary maty ny rafozan-dahiny sy ny vadiny, dia nandohalika izy ary teraka, saingy nandavo azy ny fanaintainan'ny fiterahany. 20 Tokony ho tamin'ny fotoana nahafatesany dia niteny taminy ireo vehivavy niatrika azy hoe: "Aza matahotra, fa niteraka zazalahy ianao." Saingy tsy namaly izy na nandray am-po izay nolazain'izy ireo. 21 Nantsoiny hoe Ikaboda ny anaran'ilay zaza, fa hoy izy hoe: "Afa-boninahitra Israely!" fa lasa ny fiaran'Andriamanitra, ary nohon'ny rafozan-dahiny sy ny vadiny koa. 22 Hoy izy hoe: "Afa-boninahitra Israely, satria lasa ny fiaran'Andriamanitra."
Anaran-toerana ireo.
Io dia azo adika hoe DH: "resin'ny Filistina ireo Israelita ary nahafaty"
Eto dia isa boribory ny isa efatra arivo. Mety ho nisy olona vitsivitsy latsaka na vitsivitsy mihoatra noho izany. DH: "teo ho eo amin'ny 4,000 lahy"
ireo miaramila izay nandeha an'ady
Tsy fantar'ireo lohona marina hoe nahoana Yaveh no naharesy azy ireo, saingy nanana fihevitra diso izy ireo fa hain'izy ireo ny tsy hampitranga izany indray, amin'ny fitondrana ny fiara miaraka amin'izy ireo.
Na dia manatrika na aiza na aiza aza Yaveh, dia mampiseho ny tenany amin'ny olona avy eo ambonin'ny sarivongana kerobima eo an-tampon'ny fiara Izy.
Tsy ilay Finehasa zafikelin'i Arona ao amin'i Eksodosy sy Nomery io.
Tany Silo
"Rehefa nitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh tao an-toby ny olona" Mety misy fiteny sasantsasany mila manampy fampahafantarana azo tsara mba hampazava ny hevitra. DH: "Naka ny fiaran'ny faneken'i Yaveh ny vahoaka, niaraka tamin'ny Hofnia sy Finehasa ary nitondra izany tao an-toby. Rehefa nitondra ny fiara tao an-toby ny olona"
"nentin'ny olona niditra tao an-toby ny fiaran'i Yaveh"
"niteny tamin'ny tenan'izy ireo ... Nifampiteny izy ireo" na "Nifampiteny izy ireo ... Nifampiteny izy ireo." Ny fehezanteny faharoa dia maneho mazava izay nifampilazan'ireo Filistina. Ny fehezanteny voalohany dia mety manondro izay noeritreretin'izy ireo, mety hanondro izay nifampilazany ihany koa izany. Raha azo atao, dia ialao ny filazana ny olona izay niresahana.
Nanompo andriamanitra maro ireo Filistina, noho izany dia mety nino izay ireo fa iray amin'ireo andriamanitra ireo, na iray izay tsy notompoin'izy ireo no niditra tao an-toby. Ny mety ho heviny iray hafa dia niresaka momba ny anaran'ny Andriamanitr'Israely manokana izy ireo: "tonga Yaveh." Satria miresaka momba ireo "andriamanitra" ny 4:8, ny dikan-teny sasany dia manao hoe: "Tonga ireo andriamanitra," izay hoe: "Ireo andriamanitra no tonga."
Fanehoana tahotra lalina io fanontaniana fampisainana io. Azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra io. DH: "Tsy misy afaka hiaro antsika amin'ireo andriamanitra mahery ireo."
Satria manondro olon-tokana ny teny hoe "andriamanitra" (na "Andriamanitra") ao amin'ny 4:7, dia maro ny dikan-teny no manao hoe "io andriamanitra mahery io ... ilay andriamanitra izay namely," amin'ny fanondroana izay iray amin'ireo mety ho andriamanitra maro, na "io Andriamanitra mahery io ... ilay Andriamanitra izay namely," amin'ny fampiasana ny anaran'ny Andriamanitr'Israely manokana.
Fomba fiteny io. DH: "mahereza ka miadia"
Ny teny hoe "Israely" dia fibangoan-teny ilazana ny "tafik'Israely." DH: "resin'izy ireo Israely"
Io dia azo atao hoe DH: "Nalain'ny Filistina koa ny fiaran'Andriamanitra"
Fomba fanehoana fisaonana lalina araka ny kolotsain'ny Israelita io.
Io dia fomba fiteny izay midika fa raiki-tahotra na niahiahy mafy mahakasika ny zavatra iray izy.
Fibangoan-teny ilazana ny "vahoaka rehetra ao amin'ny tanàna io."
"Ilay lehilahin'i Benjamina"
Tsy tena rain'ilay lehilahy iray i Ely. Miresaka toy ny hoe rain'ilay lehilahy i Ely mba hampisehoana azy fa tsy tezitra izy akory fa ilainy hamaly azy ilay lehilahy.
Filazana amin'ny ankapobeny momba izay nitranga io. Ny ambin'ny tenin'ilay lehilahy no manome ny antsipirihiny.
"Hilaza zavatra ratsy lavitra aminao aho izao ... Hilaza zavatra ratsy lavitra aminao aho izao" na "Tsy vitan'ny hoe nisy ... fotsiny fa ... vahoaka, fa ... koa ny zanakao roa lahy"
Io dia azo atao hoe DH: "Nalain'ny Filistina koa ny fiaran'Andriamanitra"
"rehefa nanonona ... ilay lehilahin'i Benjamina"
"niteny momba ny"
Io dia azo atao hoe DH: "tapaka ny vozony satria nianjera izy" na "Tapaka ny vozony rehefa nianjera izy"
vinantovavin'i Ely
Io dia azo atao hoe DH: "Nalain'ny Filistina koa ny fiaran'Andriamanitra"
"tsy niraharaha izay nolazain'izy ireo" na "namela ny tenany hahatsiaro ho metimety"
Amin'ny tena izy io anarana io dia andian-teny izay midika hoe "tsy misy voninahitra." Ny anaran'olona indraindray dia maneho fampahafantarana momba ilay olona, ny toerana, na ny zavatra izay tondroiny.
Io dia azo atao hoe DH: "fa nalain'ny Filistina koa ny fiaran'Andriamanitra ... satria nalain'ny Filistina koa ny fiaran'Andriamanitra"
1 Ary lasan'ireo Filistina ny fiaran'Andriamanitra, ka nientin'izy ireo avy tany Ebenezera ho any Asdoda izany. 2 Nalain'ireo filistina ny fiaran'Andriamanitra, nentiny tao an-tranon'i Dagona izany, ary napetrany teo anilan'i Dagona. 3 Rehefa nifoha maraina ireo vahoakan'i Asdoda ny ampitso, dia indro, nianjera niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny fiaran'i Yaveh ny tavan'i Dagona. Koa dia nalain'izy ireo i Dagona ary nampiakariny teo amin'ny toerany indray. 4 Fa rehefa nifoha maraina izy ireo ny ampitso, dia indro, nianjera niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny fiaran'i Yaveh ny tavan'i Dagona. Ny lohan'i Dagona sy ny tanany roa dia tapaka teo amin'ny varavarana. Ny vatan'i Dagona ihany sisa no nitoetra. 5 Noho izany, no antony tsy handinganan'ireo Mpisoron'i Dagona sy izay olona miditra ao an-tranon'i Dagona ny varavaran'i Dagona ao Asdoda, na mandrak'ankehitriny aza. 6 Ny tanan'i Yaveh dia navesatra teo amin'ireo vahoakan'i Asdoda. Noringaniny sy nampahoriany tamin'ny fivontosana izy ireo, i Asdoda sy ireo faritaniny. 7 Rehefa tsapan'ny olon'i Asdoda izay nitranga, dia hoy izy ireo: "Aoka tsy hijanona eto aminay ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely, satria ny tanany dia manohitra mafy anay sy i Dagona andriamanitray." 8 Koa dia nampiantso izy ireo ary nanangona ireo mpanapaka ny Filisitina rehetra; hoy izy ireo taminy: "Inona no tokony hataonay amin'ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely?" Namaly izy ireo hoe: "Aoka ho entina hiodidina an'i Gata ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely." Koa nentin'izy ireo tany ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely. 9 Fa rehefa avy nentin'izy ireo niodidina izany, dia nanohitra ny tanàna ny tanan'i Yaveh, ka nahatonga fifanjevona lehibe. Nampahory ireo olon'ny tanàna Izy, na kely na lehibe; ka nipoitra tamin'izy ireo ny fivontosana. 10 Noho izany dia nalefan'izy ireo tany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra. Fa vantany vao tonga tany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra, dia nihiaka mafy ireo Ekronita, nanao hoe: "Nitondra ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely ho antsika mba hamonoana antsika sy ireo olontsika izy ireo." 11 Ka nampiantso izy ireo ary nanangona ireo mpanapaky ny Filistina rehetra; hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Hampodio ilay fiaran'ny Andriamanitr'Israely, ary avereno amin'ny toerany ihany, mba tsy hamonon'izany antsika sy ireo olontsika." Fa nisy fisavorovoroana lehibe nanerana ny tanàna; tena navesatra teo ny tanan'Andriamanitra. 12 Ireo olona izay tsy maty dia nampahoriana tamin'ny fivontosana, ary ny fitarainan'ny tanàna dia niakatra nanenika ny lanitra.
Manamarika ny fiandohan'ny ampahany vaovao amin'ny tantara io teny io. Raha manana teny na andian-teny mifanaraka amin'izany ny fiteninao, dia azonao ampiasaina eto izany.
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 3:1 io. Mitovy amin'ny "fiaran'ny faneken'Andriamanitra" ihany ao amin'ny 4:3 ihany io.
Manondro ny tempolin'i Dagona, ilay andriamanitry ny Filistina io.
"gaga tanteraka izy ireo nahita an'i Dagona"
Tokony ho azon'ny mpamaky fa Yaveh no nampianjera ilay sarivongana niakohoka tamin'ny tavany nandritra ny alina.
Tokony ho azon'ny mpamaky fa Yaveh no nampianjera an'i Dagona.
Toy ny hoe miaramila izay nandresy ny fahavalony ary nanapaka ny tongotra sy ny tanany i Yaveh.
Hanome fampahafantarana fototra izay ivelan'ny tantara ny mpanoratra.
Eto ny hoe "ankehitriny" dia midika hoe hatramin'ny andro izay nanoratan'ny mpanoratra ity boky ity.
Fomba fiteny io. "Mafy ny nitsaran'i Yaveh"
Ireo mety hoe heviny dia 1) fivontosana anaty hoditra mangirifiry na 2) hemoroida (fipotsahan'ny tsinaim-body).
Ny anaran-tanàna dia fibangoan-teny ilazana ny olona monina ao. "ny vahoakan'i Asdoda sy ny vahoakan'ny tany manodidina an'i Asdoda"
"fantany"
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 3:1 io. Mitovy amin'ny "fiaran'ny faneken'Andriamanitra" ihany ao amin'ny 4:3 ihany io.
Fomba fiteny io. DH: "Nofaizin'i Yaveh"
Ny mety hoe heviny dia 1) ilazana ny taona io. DH: "olona araka ny taona rehetra" na 2) Ilazana ny sokajy ara-tsosialy io. DH: "hatramin'ny mahantra sy osa indrindra ka hatramin'ny mpanefoefo sy mahery indrindra"
Ireo mety hoe heviny dia 1) fivontosana anaty hoditra mangirifiry na 2) hemoroida (fipotsahan'ny tsinaim-body).
Ny antony nihiakany dia azo ambara mazava. DH: "nihiakiaka tamin'ny tahotra"
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 3:1 io. Mitovy amin'ny "fiaran'ny faneken'Andriamanitra" ihany ao amin'ny 4:3 ihany io.
Ireo mety ho heviny dia 1) manambara ny anaran'ny Andriamanitr'Israely manokana izy ireo na 2) ninoan'izy ireo fa nanompo ny iray amin'ireo andriamanitra maro ny Israely, "ny andriamanitr'Israely." Adikao araka ny ao amin'mny 5:6 io.
"natahotra ny olona nanerana ny tanàna fa ho faty"
Ny tanana dia fibangoan-teny ilazana ny famaizan'Andriamanitra ny olona. "Nofaizin'i Yaveh mafy dia mafy ny vahoaka tao"
Ny hevitra ambadik'izany dia maro tokoa ny olona maty.
Ireo mety hoe heviny dia 1) fivontosana anaty hoditra mangirifiry na 2) hemoroida (fipotsahan'ny tsinaim-body).
Ny teny hoe "tanàna" dia fibangoan-teny ilazana ny vahoakan'izany tanàna izany. Ireo mety ho heviny dia 1) Ny teny hoe "niakatra nanenika ny lanitra" dia fomba fiteny ilazana hoe "mafy dia mafy." DH: "Nitaraina mafy dia mafy ny vahoakan'ny tanàna" na 2) ny teny hoe "lanitra" dia fibangoan-teny ilazana ireo andriamanitry ny olona. DH: "nitaraina tamin'ireo andriamaniny ny vahoakan'ny tanàna"
1 Ary ny fiaran'i Yaveh dia tao amin'ny tanànan'ireo Filistina nandritra ny fito volana. 2 Avy eo ny vahoaka Filistina niantso an'ireo mpisorona sy ireo mpimasy; hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Inona no tokony hataonay amin'ny fiaran'i Yaveh?" Lazao anay ny fomba hamerenanay izany any amin'ny firenen'izany manokana." 3 Hoy ireo mpisorona sy ireo mpimasy hoe: "Raha averinareo ny fiaran'ilay Andriamanitr'Israely, dia aza averina tsy miaraka amin'ny fanomezana izany; andefaso fanatitra nohon'ny heloka amin'ny fomba rehetra Izy. Dia ho sitrana ianareo, ary ho fantatrareo ny antony tsy nanalany ny tanany taminareo mandrak'ankehitriny." 4 Dia hoy izy ireo hoe: "Tokony ho inona ilay fanatitra nohon'ny heloka izay averinay aminy?" Namaly izy ireo hoe: "Fivontosana volamena dimy sy totozy volamena dimy, ny dimy dia isa mitovy amin'ny isan'ireo mpanapaky ny Filistina. Fa loza mitovy no mampahory anareo sy ireo mpanapakareo. 5 Noho izany dia tsy maintsy manao sarin'ny fivontosanareo ianareo, ary sarin'ny totozinareo izay mandringana ny tany, ary manome voninahitra an'ilay Andriamanitr'Israely. Angamba mety hanala ny tanany aminareo Izy, amin'ireo andriamanitrareo, ary amin'ny taninareo. 6 Nahoana no tokony hanamafy ny fonareo ianareo, tahaka ny nanamafisan'ireo Egyptiana sy Farao ny fon'izy ireo? Izany dia tamin'ny namelezan'ilay Andriamanitr'Israely mafy azy ireo; moa tsy nalefan'ireo Egyptiana ve ny vahoaka, ary lasa izy ireo? 7 Ankehitriny ary, manomàna sarety vaovao miaraka amin'ny omby vavy mampinono roa izay mbola tsy nitondra zioga mihitsy. Fatory amin'ilay sarety ireo omby, saingy ento mody ireo zanak'omby, hiala amin'izy ireo. 8 Avy eo raiso ny fiaran'i Yaveh ary ataovy ao anatin'ilay sarety izany. Apetraho anaty vata eo anilan'izany ny sarin-javatra volamena izay averinareo aminy mba ho fanatitra nohon'ny heloka. Dia alefaso izany ary avelao handeha amin'ny lalany. 9 Avy eo jereo; raha miakatra any amin'ny lalana mankany amin'ny taniny manokana any Beti-semesy izany, dia Yaveh no nanao izany loza lehibe izany. Fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no nampahory antsika; fa kosa, ho fantatsika fa nitranga tsy nahy tamintsika izany." 10 Ireo lehilahy dia nanao araka izay nolazaina tamin'izy ireo; naka omby vavy mampinono roa izy ireo, namatotra ireo teo amin'ny sarety, ary nitondra ny zanak'ombin'ireo tany an-trano. 11 Napetrak'izy ireo teo amin'ilay sarety ilay fiaran'i Yaveh, niaraka tamin'ny vata misy ilay totozy volamena sy ny sarin'ny fivontosan'izy ireo. 12 Nandeha nahitsy tany amin'ny lalana mizotra any Beti-semesy ireo omby vavy. Nandeha tamin'ny lalam-be iray ireo, nimàma teny am-pandehanana, ary tsy nivilivily na tany ankavanana na tany ankavia. Nanaraka azy ireo tany amin'ny sisin'i Beti-semesy ireo mpanapak'ireo Filistina. 13 Ary nijinja ny varin'izy ireo teny an-dohasaha ny vahoakan'i Beti-semesy. Rehefa nanandratra ny masony izy ireo ka nahita ilay fiara, dia niravoravo. 14 Tonga tany amin'ny sahan'i Josoa avy any amin'ny tanànan'i Beti-semesy ilay sarety ary nijanona tao. Nisy vato lehibe teo, ka namaky ny hazo tamin'ilay sarety izy ireo, ary nanolotra ireo omby vavy mba ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh. 15 Nampidinin'ireo Levita ny fiaran'i Yaveh sy ilay vata izay niaraka tamin'izany, izay nisy ireo sary volamena, ary napetrany teo amin'ilay vato lehibe ireo. Nanolotra fanatitra dorana sy nanao sorona ho an'i Yaveh ny androtr'io ihany ireo mponin'i Beti-semesy. 16 Rehefa hitan'ireo mpanapaka dimin'ireo Filistina izany, dia niverina tany Ekrona ny androtr'io ihany izy ireo. 17 Ireto avy ireo fivontosana volamena izay naverin'ireo Filistina ho fanatitra nohon'ny heloka ho an'i Yaveh: iray ho an'i Asdoda, iray ho an'i Gaza, iray ho an'i Askelona, iray ho an'i Gata, ary iray ho an'i Ekrona. 18 Ireo totozy volamena dia nitovy isa tamin'ny isan'ireo tanànan'ireo Filistina rehetra izay an'ireo mpanapaka dimy, dia ireo tanàna mimanda sy ireo zana-bohitry ny tanàna. Ilay vato lehibe, teo anilan'ilay nametrahan'izy ireo ny fiaran'i Yaveh, dia mitoetra ho vavolombelona iray ao amin'ny sahan'i Josoa ilay Beti-semesita mandrak'androany. 19 Namely ny sasany tamin'ireo mponin'i Beti-Semesy i Yaveh satria nijery tao anatin'ilay fiaran'i Yaveh izy ireo. Namono lehilahy 50. 070 Izy. Nisaona ny vahoaka, satria namely mafy ny vahoaka Yaveh. [1]20 Hoy ireo mponin'i Beti-semesy hoe: "Iza no afaka hijoro manoloana an'i Yaveh, ity Andriamanitra masina ity? Ho amin'iza no iakaran'ilay fiara avy aty amintsika?" 21 Naniraka mpitondra hafatra tany amin'ireo mponin'i Kiriata-Jearima izy ireo, nanao hoe: "Nentin'ireo Filistina niverina ilay fiaran'i Yaveh; midìna ary ento miverina miaraka aminareo izany."
Mpisorona mpanompo sampy sy mpimasy izay nanompo an'i Dagona ireo.
Te hahafantatra ny fomba hanesorana ny fiara kanefa tsy hahatezitra an'i Yaveh ireo Filistina.
Ireo mety ho heviny dia 1) manambara ny anaran'ny Andriamanitr'Israely manokana izy ireo na 2) ninoan'izy ireo fa nanompo ny iray amin'ireo andriamanitra maro ny Israely, "ny andriamanitr'Israely." Adikao araka ny ao amin'ny 5:6 io.
Ny teny hoe "amin'ny fomba rehetra" dia fomba filazan-javatra amin'ny fomba feno fanerena. DH: "tsy maintsy mandefa fanatitra nohon'ny heloka ianareo"
"tsy harary intsony ianareo"
Manondro ireo Filistina rehetra ny mpisolontena "ianareo"
Eto ny tanana dia fibangoan-teny ilazana ny herin'Andriamanitra hampahory sy hanafay. DH: "nahoana no tsy nohamaivaniny ny fijalianareo"
Ireo mety hoe heviny dia 1) fivontosana anaty hoditra mangirifiry na 2) hemoroida (fipotsahan'ny tsinaim-body). Adikao araka ny ao amin'ny 5:6.
"totozy mihoatra ny iray"
Ny sary dia zavatra izay mitovy endrika amin'ny zavatra tena izy.
Ireo mety hoe heviny dia 1) fivontosana anaty hoditra mangirifiry na 2) hemoroida (fipotsahan'ny tsinaim-body). Adikao araka ny ao amin'ny 5:6.
"izay mamotipotika"
Ireo mety ho heviny dia 1) manambara ny anaran'ny Andriamanitr'Israely manokana izy ireo na 2) ninoan'izy ireo fa nanompo ny iray amin'ireo andriamanitra maro ny Israely, "ny andriamanitr'Israely." Adikao araka ny ao amin'ny 5:6 io.
Eto ny tanana dia fibangoan-teny ilazana ny herin'Andriamanitra hampahory sy hanafay. DH: "hitsahatra tsy hanafay anareo, ny andriamanitrareo ary ny taninareo" (UDB)
Mampiasa fanontaniana fampisainana ireo mpisorona sy ireo mpimasy mba hamporisihana ireo Filistina hisaina tsara momba izay hitranga raha mandà ny hankatoa an'Andriamanitra izy ireo. DH: "Aza mafy loha tahaka ireo Egyptiana sy Farao!"
Ity dia fomba fiteny izay midika hoe mafy loha na tsy vonona ny hankatoa an'Andriamanitra. DH: "mandà ny hankatoa an'Andriamanitra"
Ity dia fanontaniana fampisainana iray hafa izay ampiasaina hampatsiahivana an'ireo Filistina ny amin'ny nandefasan'ny Egyptiana an'ireo Israelita nivoaka avy tany Egypta ny farany, mba hijanonan'Andriamanitra tsy hampijaly ny Egyptiana. DH: "tsarovy fa nalefan'ireo Egyptiana nivoaka an'i Egypta ireo Israelita."
"omby vavy manan'anaka izay mbola minono"
Amin'ny tena izy dia tokony hitodi-doha hiverina hody any amin'ny zanany ireo omby vavy roa.
Tsy mitombina raha hisafidy ny hirenireny ho any Beti-semesy ireo omby vavy raha any amin'ny faritry ny filistina ireo zanany.
"omby vavy manan'anaka izay mbola minono" Adikao araka ny ao amin'ny 6:7.
Adikao araka ny ao amin'ny 6:3 io.
Ireo mety hoe heviny dia 1) fivontosana anaty hoditra mangirifiry na 2) hemoroida (fipotsahan'ny tsinaim-body). Adikao araka ny ao amin'ny 5:6.
Raha ny tena izy dia tokony hiverina any amin'ny zanany ny omby vavy, kanefa ireto omby ireto dia nankany Beti-semesy.
Ny hoe mimàma dia ilazana ny feo avoakan'ny omby.
"tsy nivilivily tamin'ny lalam-be ireo." Io dia azo atao hoe DH: "nijanona tamin'ny lalam-be ireo" na "nizotra nahitsy ireo"
Manao fampidirana ny fizarana vaovao amin'ny tantara ny mpanoratra. Raha manana fomba hanamarihana ny fanombohana ny fizaran-tantara ny fiteninao, dia azonao ampiasaina eto izany.
Israelita ireo.
Fomba fiteny io. DH: "niandrandra"
Nampisain'ny olona ho alitara io vato io rehefa nanolotra ireo omby vavy ho sorona izy ireo.
Nitranga izany mialohan'ny nikapan'izy ireo ny sarety hatao kitay fandrehitra ampiasaina amin'ny fanolorana ireo omby vavy ho an'i Yaveh.
Araka ny lalàn'i Mosesy, dia ireo Levita ihany no nahazo nitana ny fiara.
"ilay vata izay nisy ireo sary totozy sy fivontosana volamena"
"ireo mpanjaka Filistina dimy"
Ireo mety hoe heviny dia 1) fivontosana anaty hoditra mangirifiry na 2) hemoroida (fipotsahan'ny tsinaim-body). Adikao araka ny ao amin'ny 5:6.
Adikao araka ny ao amin'ny 6:3 io.
Ireo dia tanàna misy manda avo manodidina azy ,mba hiarovana ny olona ao anatiny amin'ny fanafihan'ny fahavalony.
Toy ny hoe olona afaka mahita no firesaka ny vato. DH: "Ilay vato lehibe ... dia mbola ao, ary tsaroan'ny olona izay niseho teo amin'izany"
anaran-dehilahy
Izany no iantsoana ny olona avy ao Beti-Semesy. DH: "avy any Beti-Semesy"
hatramin'ny andro izay nanoratan'ny mpanoratra ity boky ity
Tena masina tokoa ilay fiara hany ka tsy nisy nahazo alalana hijery ny ao anatiny. Ny mpisorona ihany no nahazo alalana hijery ny fiara.
"lehilahy dimy alina sy fito arivo"
Ireo mety hoe heviny dia 1) fanontaniana fampisainana izay maneho ny tahotry ny olona an'i Yaveh io. DH: "Tsy misy afa-mahatohitra an'i Yaveh satria masina Izy!" na 2) fanontaniana izay mangataka fampahalalana io. Ny andian-teny hoe "hijoro manoloana an'i Yaveh" dia mety manondro ireo mpisorona izay manompo an'i Yaveh. Ny hevitra ambadik'izany dia nitady mpisorona izay homen'i Yaveh alalana hihazona ny fiara ny olona. DH: "Misy mpisorona ve eto amintsika izay manompo an'io Yaveh, Andriamanitra masina io, ary akafa ny hihazona ny fiara?"
Mangataka fampahalalama io fanontaniana io. Ny hevitra ambadik'izany dia tian'ny olona Yaveh sy ny fiara mba handeha any an-kafa any mba tsy hamaizany azy ireo indray. DH: "Aiza no andefasantsika ity fiara ity mba tsy hamaizan'i Yaveh antsika indray?"
Vohitra tany Israely io.
1 Tonga ny olon'ny Kiriata Jearima, naka ny fiaran'i Yaveh, ary nitondra izany tao an-tranon'i Abinadaba tany amin'ny havoana. Nanokana an'i Eleazara zanany lahy izy ireo mba hitandrina ny fiaran'i Yaveh. 2 Nanomboka tamin'ny andro izay nitoeran'ny fiara tao Kiriata Jearima, dia taona maro no lasa, roapolo taona. Ny ankohonan'Israely rehetra dia nalahelo an'i Yaveh ka naniry hiverina amin'i Yaveh. 3 Hoy i Samoela tamin'ny ankohonan'ny Israely manontolo hoe: "Raha miverina amin'i Yaveh amin'ny fonareo rehetra ianareo, dia esory eo aminareo ireo andriamanin-kafa sy ireo Astarta, atodiho amin'i Yaveh ny fonareo, ary Izy irery ihany tompoina, dia hamonjy anareo eo an-tanan'ireo Filistina izy." 4 Dia nanala ireo Bala sy ny Astarta ny vahoakan'ny Israely, ary nanompo an'i Yaveh irery ihany. 5 Ary hoy Samoela hoe: "Ento ho any Mizpa ny Israely rehetra, dia hivavaka amin'i Yaveh ho anareo aho." 6 Niangona tao Mizpa izy ireo, ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan'i Yaveh. Nifady hanina izy ireo tamin'ny izany andro izany ka nanao hoe: "Efa nanota tamin'i Yaveh isika." Tany no nanapahan'i Samoela hevitra hitsara ny fifandiran'ny vahoakan'ny Israely sy nitondrany azy. 7 Ary rehefa ren'ireo Filistina fa niangona tao Mizpa ny vahoakan'Israely, dia nanafika ny Israely ireo mpanapaky ny Filistina. Raha nahare izany ny vahoakan'Israely, dia natahotra ireo Filistina izy ireo. 8 Ary hoy ireo vahoakan'Israely tamin'i Samoela: "Aza mitsahatra miantso an'i Yaveh Andriamanintsika ho antsika, fa hanavotra antsika eo an-tanan'ireo Filistina Izy." 9 Dia naka zanak'ondry mbola minono i Samoela ary nanome izany manontolo mba ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh. Ary niantso mafy an'i Yaveh ho an'ny Israely Samoela, ka namaly azy Yaveh. 10 Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona hanafika ny Israely ireo Filistina. Fa Yaveh nampikotrok'orana tamin'ny feo mafy tamin'izany andro izany hanohitra ireo Filistina ka nampifanjevo azy ireo, ary resy teo anoloan'ny Israely izy ireo. 11 Ary ny lehilahin'ny Israely niala avy any Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namono azy ireo mandra-pahatongany teo ambanin'i Betikara. 12 Avy eo dia naka vato i Samoela ary nametraka izany teo anelanelan'i Mizpa sy Sena. Nataony hoe Ebenezera ny anaran'izany, manao hoe: "Hatramin'izao no namonjen'i Yaveh antsika." 13 Dia resy ireo Filistina ka tsy niditra teo amin'ny fari-tanin'ny Israely. Ny tanan'i Yaveh nanohitra ireo Filistina tamin'ny andron'i Samoela rehetra. 14 Ireo tanàna izay nalain'ireo Filistina tamin'ny Israely dia voaverina tamin'ny Israely, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; niverina tamin'ny Israely koa ny faritaniny tany amin'ireo Filistina. Dia nisy fihavanana teo amin'ny Israely sy ny Amorita. 15 Nitsara ny Israely nandritra ny androm-piainany rehetra i Samoela. 16 Isan-taona dia nandeha nivezivezy tany Betela, Gilgala, ary Mizpa izy. Nanapa-kevitra tamin'ny ady ho an'Israely teo amin'ireo toerana rehetra ireo izy. 17 Ary niverina tany Rama indray izy. satria tany ny tranony; ary tany ihany koa no nanapahany hevitra tami'ny ady ho an'ny Israely. Nanorina alitara ho an'i Yaveh tany ihany koa izy.
Anaran-toerana io.
Anaran-dehilahy ireo.
"20 taona"
Ny teny hoe "ankohonana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona izay mipetraka ao amin'ilay trano sy ny taranany. DH: "ny taranak'Israely rehetra" na "ny vahoakan'Israely rehetra"
Eto ny hoe "amin'ny fonareo rehetra" dia fomba fiteny izay midika fanoloran-tena tanteraka amin'ny zavatra iray. DH: "manolo-tena tanteraka amin'ny fanompoana sy fankatoavana an'i Yaveh irery ihany"
"ny vahoakan'Israely rehetra" na "ireo Israelita rehetra"
Ireo mety ho heviny dia 1) Ao anatin'ny fifadian-kanina ny nandàvan'ny olona tenany tsy hisotro rano ny olona na 2) nahazo rano avy any an-doharano na avy ao am-pantsakana ny olona ary nandraraka izany tamin'ny tany ho mariky ny fanenenan'izy ireo ny amin'ny fahotany.
Azo adika mazava fa ny tafika fa tsy ny mpanapaka tenany no nanafika an'Israely. DH: "nitarika ny tafiny ireo mpanapaka Filistina ary nanafika an'Israely"
Ny "tanana" dia fibangoan-teny ilazana ny herin'ny olona. DH: "hanavotra antsika amin'ny tafika Filistina" na "hisakana ny tafika Filistina tsy hamely antsika"
zanak'ondry izay mbola minona amin-dreniny
"nihiaka famonjena"
"nataon'i Yaveh izay nangatahin'i Samoela hataony"
Ity dia manazava ny tian'ny mpanoratra ho lazaina amin'ny hoe "namaly azy Yaveh" ao amin'ny (7:9).
Ny teny hoe "nampifanjevo" eto dia ampiasaina hilazana amin'ny fomba fa tsy afaka nisaina tsara ireo Filistina. DH: "nahatonga azy ireo tsy ho afaka hisaina tsara"
Ireo mety ho heviny dia 1) "Noresen'i Yaveh teo anatrehan'Israely izy ireo" na 2) "resin'Israely izy ireo"
Ny resy tiana ho lazaina eto dia mandresy olona mialohan'ny hamelezan'izy ireo.
Anaran-toerana io.
Nametraka vato lehibe teo amin'izay nisehoana tranga lehibe ny Israelita sy ny vahoaka hafa teo amin'izany tany izany mba ho fatsiarovana ny famonjen'Andriamanitra.
Anaran-toerana ireo.
Vao tapitra mihitsy ny filazan'ny mpanoratra ny fomba naharesen'ny FIlistina. Raha manana fomba hanamarihana ny fiafaran'ny famaritana iray ianao, dia azonao ampiasaina eto izany.
Io dia azo adika hoe DH: "resin'i Yaveh ireo Filistina" na "nosakanan'i Yaveh tsy haninona akory ireo Filistina"
Tsy niditra ny sisin-tanin'Israely mba hanafika azy ireo ny Filistina.
Ny teny hoe "tanana" eto dia ilazana ny hery. DH: "Nampiasa ny heriny hanohitra ny Filistina Yaveh"
Ireo mety hoe heviny dia 1) "naverin'i Yaveh ireo tanànan'Israely ... tamin'Israely" na 2) "afaka nitaky ny tanàna ... tamin'Israely .... ny vahoakan'Israely
nandeha nihodikodina nifindrafindra toerana
Fifandirana sy ady na tsy fifankahazoana teo amin'ny olona roa na mihoatra.
1 Rehefa antitra i Samoela, dia nataony ho mpitsara eo amin'ny Israely ireo zanany lahy. 2 Joela no anaran'ny lahimatoany, ary Abia no anaran'ny zanany lahy faharoa. Mpitsara tao Beri-sheba izy ireo. 3 Tsy nandeha tamin'ny lalany ireo zanany lahy, fa nitady fihariana tsy marina. Nandray kolikoly izy ireo ary namadika ny rariny. 4 Dia niara-nivory ireo loholon'ny Israely rehetra ary tonga teo amin'i Samoela tao Rama. 5 Hoy izy ireo taminy: "Indro, antitra ianao, ary tsy mandeha amin'ny lalanao ireo zanakao. Manendre mpanjaka ho anay mba hitsara anay tahaka ireo firenena rehetra." 6 Nefa tsy nankasitrahan'i Samoela izany raha niteny izy ireo hoe: "Omeo mpanjaka izahay mba hitsara anay." Ka nivavaka tamin'i Yaveh i Samoela. 7 Hoy Yaveh tamin'i Samoela hoe: "Ankatoavy ny feon'ny vahoaka amin'ny zavatra rehetra lazain'izy ireo aminao; fa tsy ianao no nolavin'izy ireo, fa Izaho no nolaviny tsy ho mpanjakan'izy ireo. 8 Ankehitriny izy ireo dia manao toy izay nataony hatramin'ny andro nitondrako azy ireo nivoaka avy tao Egypta, nahafoy Ahy, ary nanompo ireo andriamani-kafa, ary toy izany koa no ataon'izy ireo aminao. 9 Ankehitriny henoy izy ireo; nefa ampitandremo mafy ka ampahafantaro ny fomba hanapahan'ny mpanjaka eo amin'izy ireo." 10 Koa dia nolazain'i Samoela tamin'ny vahoaka izay nangataka mpanjaka ireo tenin'i Yaveh rehetra. 11 Hoy izy: "Izao no ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka eo aminareo. Haka ireo zanakareo lahy izy ka hanendry azy ireo ho an'ny kalesiny sy ho lasa mpitaingin-tsoavaliny, ary hiazakazaka eo alohan'ireo kalesiny. 12 Hanendry kapitenin'ny miaramila an'arivony, ary kapitenin'ny miaramila dimampolo ho azy izy. Hataony miasa ny taniny ny sasany, mijinja ny vokany ny sasany, ary hanao ny fitaovam-piadiany sy ny fitaovana ho an'ireo kalesiny ny sasany. 13 Ireo zanakareo vavy ihany koa dia hataony mpangaroharo zava-manitra, mpahandro, ary mpanao mofo. 14 Halainy ny tsara indrindra avy amin'ny sahanareo, ireo tanim-boalobokareo, ary ireo tanin'olivanareo, ka homeny an'ireo mpanompony. 15 Halainy ny ampahafolon'ny varinareo sy ny avy amin'ireo tanim-boalobokareo ka homeny an'ireo manam-pahefany sy ireo mpanompony. 16 Halainy ireo mpanomponareo lahy sy ireo mpanomponareo vavy ary ny tsara indrindra amin'ireo tovolahinareo sy ireo borikinareo; hataony hiasa ho azy izy rehetra. 17 Halainy ny ampahafolon'ireo ondry aman'osinareo, ka ho lasa andevony ianareo. 18 Koa amin'izany andro izany dia hitaraina nohon'ny mpanjakanareo izay nofidianareo ho an'ny tenanareo ianareo; saingy tsy hamaly anareo i Yaveh amin'izany andro izany." 19 Kanefa nandà ny hihaino an'i Samoela ny vahoaka; hoy izy ireo: "Tsia! Tokony hisy mpanjaka eto aminay 20 mba hitovianay amin'ireo firenena hafa rehetra, ary mba hitsaran'ny mpanjakanay anay sy hivoahany eo anoloanay ka hiady ny adinay." 21 Rehefa ren'i Samoela ireo tenin'ny vahoaka rehetra dia naveriny teo an-tsofin'i Yaveh izany. 22 Hoy i Yaveh tamin'i Samoela: "Ankatoavy ny feon'izy ireo ary ataovy tonga mpanjakan'izy ireo ny olona iray." Ka hoy Samoela tamin'ireo olon'ny Israely: "Tsy maintsy mandeha any amin'ny tanànany avy ny lehilahy tsirairay."
Ny vola izay nomen'ny olona ny zanak'i Samoela dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe olona na biby mandositra an'ireo zanak'i Samoela, ary ny zanak'i Samoela dia resahiny toy ny hoe manenjika izany olona na biby izany mivantana. DH: "niasa mafy tamin'ny tsy fahamarinana izy ireo mba hahazoana vola"
"nitsara tamim-piangarana ho an'ireo izay nanao ratsy"
Ny fomba fiainan'ny olona dia resahina toy ny hoe lalana. DH: "tsy manao ireo zavatra ataonao" na "tsy manao araka ny fomba fanaonao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "Anendreo mpanjaka tahaka ny mpanjakan'ireo firenena rehetra izahay mba hitsarany anay" na 2) "Anendreo mpanjaka izay hitsara anay araka ny fitsaran'ny mpanjakan'ny firenena rehetra izahay"
Diso fihevitra ireo mpitarika fa hisy mpanjaka, dia ny zanaka mandimby azy, hanjaka araka ny rariny.
Tsy faly i Samoela fa tsy vitan'ny naniry azy hanala ireo zanany simba toetra ary hanendry mpitsara tsy marina fotsiny ny olona, fa naniry ny hisian'ny mpanjaka hanapaka eo amin'izy ireo tahaka ny an'ny firenena hafa ihany koa.
Eto ny "feo" dia ilazana ny sitrapo na ny fanirian'ny olona. DH: "Ataovy izay lazain'ny olona"
Fantatr'i Yaveh fa tsy nandà mpitsara simba toetra fotsiny ny olona, fa nandà an'i Yaveh tsy ho mpanjakany.
Maneho ny fanafahan'i Yaveh ny Israelita tamin'ny fanandevozana tany Egypta an-taonany maro taloha io.
"Ankehitriny dia ataovy izay angatahin'izy ireo hataonao"
"mbà matotra tanteraka eo am-pampitandremanao azy ireo"
Ny fanaon'ny mpanjaka dia ny haka... Ity no manomboka ny fitanisana ny zavatra izay halainy.
Ny anarana hoe "fanao" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "Izao no hataon'ny mpanjaka izay hanjaka eo aminareo"
"hataony mpitondra kalesy amin'ny ady"
Hitaingin-tsoavaly ho amin'ny ady izy ireo.
Manohy milaza izay zavatra ho alain'ilay mpanjaka i Samoela.
"hanamboatra menaka manitra hatao amin'ny vatany"
"sahan'oliva"
Tsy maintsy ho zarain'izy ireo folo mitovy ireo ny vary ary omena ny manam-pahefan'ny mpanjaka sy ireo mpanompony ny iray amin'izany.
Tsy maintsy ho zarain'izy ireo folo mitovy ny divay vokarin'izy ireo ary omena ny manam-pahefan'ny mpanjaka sy ireo mpanompony ny iray amin'izany.
Ireo no mpitarika ny tafiky ny mpanjaka.
Manohy milaza izay zavatra ho alain'ilay mpanjaka i Samoela.
Tsy maintsy ho zarain'izy ireo folo mitovy ny biby fiompin'izy ireo ary omena ny manam-pahefan'ny mpanjaka sy ireo mpanompony ny iray amin'izany. Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "ampahafolony" ao amin'ny 8:13.
"hahatsapa-tena ho andevony ianao"
Ireo mety ho heviny dia 1) hangataka an'i Yaveh hamonjy azy ireo amin'ny mpanjaka ny olona na 2) hangataka ny mpanjaka mba hitsahatra tsy hampijaly azy ireo ny vahoaka (UDB).
Eto ny "sofin'i Yaveh" dia ilazana an'i Yaveh. Nivavaka tamin'i Yaveh tamin'ny famerenana izay rehetra nolazain'ny vahoaka i Samoela. DH: "naveriny tamin'i Yaveh izany"
Eto ny "feon'izy ireo " dia ilazana ny sitrapon'ny vahoaka. DH: "Ankatoavy ny vahoaka"
"asio olona iray ho mpanjaka eo amin'izy ireo." Ampiasao ny teny mahazatra amin'ny fiteninao ilazana ny fanaovana mpanjaka.
"mody"
1 Nisy lehilahy avy any Benjamina, lehilahy ambony iray. Ny anarany dia i Kisy zanaka lahin'i Abiela zanaka lahin'i Zerora zanaka lahin'i Bekorata zanaka lahin'i Afia, ilay zanaka lahina Benjamita iray. 2 Nanan-janaka lahy nantsoina hoe Saoly izy, tovolahy tsara tarehy iray. Tsy mbola nisy olona tsara tarehy noho izy teo amin'ny olon'Israely. Manomboka eo amin'ireo sorony no ho miakatra dia lava noho ny olona rehetra izy. 3 Ary ireo ampondran'i Kisy, rain'i Saoly, dia very. Koa niteny tamin'i Saoly zanany i Kisy nanao hoe: "Makà iray amin'ireo mpanompo hiaraka aminao, mitsangàna ary mandehana mitady ireo ampondra." 4 Koa dia namakivaky ny tany havoan'i Efraima i Saoly ary nandeha tamin'ny tanin'ny Salisa, fa tsy hitan'izy ireo izany. Ary namakivaky ny tanin'i Salima izy ireo, nefa tsy tany ireo. Avy eo dia namakivaky ny tanin'ireo Benjamita izy ireo, fa tsy nahita ireo. 5 Rehefa tonga teo amin'ny tanin'ny Zofa izy ireo, dia niteny tamin'ny mpanompony izay niaraka taminy i Saoly hoe: "Andao, andeha isika hiverina, fa mety tsy hanahy ny amin'ireo ampondra intsony ny raiko fa hanomboka hanahy ny momba antsika." 6 Fa hoy ilay mpanompo taminy hoe: "Henoy, misy lehilahin'Andriamanitra amin'ity tanàna ity. Izy dia lehilahy nomem-boninahitra; izay rehetra lazainy dia tanteraka avokoa. Andao isika ho any; mety ho afaka hilaza amintsika izay lalana tokony halehantsika amin'ny diantsika izy." 7 Dia hoy i Saoly tamin'ny mpanompony hoe: "Fa raha mandeha isika, inona no afaka entintsika ho an'ilay lehilahy? Ny mofo anaty kitapontsika efa lany, ary tsy misy fanomezana mba ho entintsika ho an'ilay lehilahin'Andriamanitra. Inona no hananantsika?" 8 Ilay mpanompo namaly an'i Saoly ka nanao hoe: "Indro, izaho manana ampahefatry ny sekely volafotsy izay homeko an'ilay lehilahin'Andriamanitra, mba hitenenana amintsika izay lalana tokony halehantsika." 9 (Taloha tany Israely, rehefa misy lehilahy mandeha mitady ny fahalalana ny sitrapon'Andriamanitra, dia miteny izy hoe: "Andao, andeha isika ho any amin'ny mpahita." Fa mpahita no fiantsoana taloha izay antsointsika hoe mpaminany ankehitriny.) 10 Avy eo dia niteny tamin'ny mpanompony i Saoly hoe: "Tsara ny voalazanao. Andao, andeha isika handeha." Dia lasa izy ireo nankany amin'ny tanàna izay nisy ny lehilahin'Andriamanitra. 11 Ary rehefa niakatra ny havoana tao an-tanàna izy ireo, dia nahita ireo tovovavy nivoaka hitaona rano; dia hoy i Saoly sy ny mpanompony tamin'izy ireo hoe: "Eto ve ilay mpahita?" 12 Namaly izy ireo, ka nanao hoe: "Eto izy; indro, ao aloha kelinareo ao fotsiny izy. Faingàna, fa ho tonga ao an-tanàna izy androany, satria hanao sorona eo amin'ny toerana avo ny vahoaka androany. 13 Raha vantany vao miditra ny tanàna ianareo dia hahita azy, alohan'ny hiakarany amin'ny toerana avo hihinanany. Tsy hihinana ny vahoaka mandram-piaviny, satria izy no hitso-drano ny sorona; aorian'izay dia hihinana ireo izay nasaina. Koa miakara izao, fa hahita azy avy hatrany ianareo." 14 Dia niakatra ho any amin'ny tanàna izy ireo. Ary raha vao niditra ny tanàna izy ireo, dia nahita an'i Samoela niseho taminy, mba handeha hiakatra any amin'ny toerana avo. 15 Ary ny andro talohan'ny nahatongavan'i Saoly, dia nanambara tamin'i Samoela i Yaveh hoe: 16 "Rahampitso amin'izao ora izao dia handefa lehilahy iray avy amin'ny tanin'ny Benjamina aminao Aho, ary hanosotra azy ho andriana eo amin'ny Israely vahoakako ianao. Hamonjy ny vahoakako amin'ny tanan'ireo Filistina izy. Fa efa nijery ny vahoakako tamin'ny fangorahana aho satria ny antso vonjin'izy ireo dia tonga taty Amiko." 17 Rehefa hitan'i Samoela i Saoly, dia niteny taminy i Yaveh hoe: "Inty ilay lehilahy nambarako anao! Izy ilay olona izay hanapaka ny vahoakako." 18 Avy eo i Saoly dia nanatona an'i Samoela teo amin'ny vavahady ary nanao hoe: "Mba lazao ahy hoe aiza no misy ny tranon'ilay mpahita?" 19 Namaly an'i Saoly i Samoela ka nanao hoe: "Izaho ilay mpahita. Miakara ho amin'ny toerana avo mialoha ahy, fa androany dia hiara-mihinana amiko ianao. Avelako handeha ianao amin'ny maraina, ary holazaiko anao izay rehetra ao an-tsainao. 20 Raha ny amin'ireo ampondranao izay very telo andro lasa izay, dia aza manahy ny amin'izany, fa efa hita izany. Ary napetraka tamin'iza ireo fanirian'Israely rehetra? Tsy ho aminao sy ho amin'ny ankohonan-drainao rehetra ve?" 21 Namaly i Saoly ka niteny hoe: "Fa tsy Benjamita ve aho, avy amin'ny foko kely indrindran'Israely? Tsy ny fianakaviambeko ve no farany indrindra amin'ireo fianakaviambe rehetra ao amin'ny fokon'ny Benjamina? Koa nahoana no izany fomba izany no niresahanao tamiko?" 22 Ary noraisin'i Samoela i Saoly sy ny mpanompony, ka nentiny tany an'efitrano, ary napetrany teo amin'ny fitoerana voalohany ho an'izay voaasa izy ireo, izay tokony ho olona telopolo eo ho eo. 23 Hoy i Samoela tamin'ny mpahandro hoe: "Ento ilay anjara izay nomeko anao, izay nilazako taminao hoe, 'Atokano ity.'" 24 Koa nalain'ny mpahandro ny fe sy izay teo aminy ary napetrany teo anoloan'i Saoly. Ary hoy i Samoela hoe: "Indro izay voatokana dia efa napetraka teo anoloanao. Hano io, satria voatokana ho anao mandra-pahatongan'ny fotoana voatendry, tamin'ny fotoana nilazako hoe, 'Efa nanasa ny olona aho.'" Dia niara-nihinana tamin'ny Samoela i Saoly tamin'io andro io. 25 Rehefa tafidina avy teny amin'ny toerana avo ho amin'ny tanàna izy ireo, dia niresaka tamin'i Saoly teo an-tampon-trano i Samoela. 26 Ary vao mangiran-dratsy, dia niantso an'i Saoly teo an-tampon-trano i Samoela ka niteny hoe: "Miarena, mba hahafahako mandefa anao any amin'ny lalanao." Dia nifoha i Saoly, ary samy nandeha nivoaka ho eny an-dalana izy sy i Samoela. 27 Ary rehefa nandeha manodidina ny tanàna izy ireo, dia hoy i Samoela tamin'i Saoly: "Lazao ny mpanompo mba handeha hialoha antsika"—dia nandeha teo aloha izy—"fa tsy maintsy mijanona eto fotoana vitsy ianao, mba hilazako aminao ny hafatr'Andriamanitra."
Raha manana fomba hilazana amin'ny mpamaky ny fiteninao fa manome fampahafantarana momba ny fototry ny tantara ny mpanoratra eto amin'ireto andininy ireto, dia azonao ampiasaina eto izany.
Ireo mety hoe heviny dia 1) lehilahy mpanefoefo izy na 2) olona manan-kaja izy na 3) olona matanjaka sy be herim-po izy
Ireo no anaran'ny lehilahy ao amin'ny firazanan'i Saoly.
Ny Benjamita dia olona izay isan'ny fokon'i Benjamina.
olona tsara endrika
Tsy tonga nahatratra ny sorony akaory ireo olona ranjanana hafa tao Israely.
Nofaranan'ny mpanoratra ilay fampahafantarana ny ambadiky ny tantara (9:1) ary manomboka fizarana vaovao izy.
"atsaharo ny ataonao"
Faritra ao Israealy ireo.
Ny teny hoe "izy ireo" sy "ireo" dia manondro ireo boriky avokoa.
Faritra any Israely mianavaratra an'i Jerosalema io.
Ny hevitr'io andian-teny io matetika dia mpaminanin'i Yaveh. Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 2:27. DH: "olona izay mandre sy milaza ny teny avy amin'Andriamanitra"
"izay lalana tokony halehantsika hahitana ireo boriky"
Ny fanolorana fanomezana dia mariky ny fanajana ilay olon'Andriamanitra.
Ny hevitr'io andian-teny io matetika dia mpaminanin'i Yaveh. Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 2:27. DH: "olona izay mandre sy milaza ny teny avy amin'Andriamanitra"
"1/4 sekely." Ny sekely dia karazam-bola nampiasaina tao amin'ny Testamenta Taloha.
Ity dia fampahafantarana ara-kolotsaina izay nampidirin'ny mpanoratra Hebreo. Raha hafahafa amin'ny fiteninao ny manambara ity fampahafantarana ity, dia azo afindra any amin'ny faran'ny andininy faha 11 izany.
"Mpahita no anarana taloha ilazana ny mpaminany ankehitriny"
Ny soron'ny ny firavoravoana na santa-bokatra ireo matetika, fa tsy saorona nohon'ny ota, izay tsy maintsy atao ao amin'ny tabernakely.
Toerana izay notendren'ny olona ho masina mba hanaovana sorona sy fanatitra ho an'i Yaveh izany. Toy ny hoe ivelan'ny manda izay manodidina ny tanàna izany raha ny firesaky ny mpanoratra.
Tapitra ny filazan'ny mpanoratra ny tantara ary manome fampahafantarana ny fototra izy mba hahafahan'ny mpanoratra mahatakatra izay miseho manaraka.
Ny teny hoe andriana no ampiasaina eto fa tsy mpanjaka. Io no lehilahy nofidian'Andriamanitra ho mpanjakan'Israely.
"ny tany izay honenan'ny olona avy amin'ny fokon'i Benjamina"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny fifehezana. DH:"amin'ny fifehezan'ny Filistina" na "mba tsy hifehy azy ireo intsony ny Filistina"
"Mijaly ny oloko ary te hanampy azy ireo aho"
Hoy Yaveh tamin'i Samoela hoe"
"ilay mpaminanin'i Yaveh"
Ireto fanontaniana ireto dia fanehoana faharesen-dahatra lalina fa i Saoly ilay iray izay tian'Andriamanitra ho mpanjaka araka izay tadiavin'ny Israelita. Azo adika ho fanambarana tsotra ireo fanontaniana ireo. DH: "Tokony ho fantatrao fa efa natao ny fanirian'Israely rehetra. Napetraka teo aminao sy ny fianakavian-drainao ireo."
Maneho fahatairana i Saoly satria Benjamina no foko kely indrindra ao Israely, ary noraisin'ireo Israelita sasany ho tsy manan-danja io foko io. Ary koa, ny Benjamita dia nandray ny fianakaviam-be izay nisy an'i Saoly ho ambany. Azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra ireo fanontaniana ireo. DH: "Avy amin'ny fokon'i Benjamina aho, izay ambany indrindra amin'ny foko rehetra. Ary ny fianakaviam-beko no ambany indrindra amin'ny fokonay. Tsy azoko hoe nahoana ianao no milaza fa tian'ny vahoaka Israelita rehetra sy ny fianakaviako hanao zavatra lehibe aho.''
Raisin'ny mpanoratra fa fantatry ny mpamaky fa ny teo akaikin'ny toerana izay nanoloran'izy ireo sorona dia nisy trano lehibe izay niarahan'ny olona nisakafo.
Toeran'ny manan-kaja io.
"30"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny sakafo hafa izay andeha hohanin'i Saoly miaraka amin'ny hena na 2) ampahany hafa amin'ilay omby.
Tsy mazava hoe iza no miresaka ao amin'ny teny nipoiran'ity. Azo eritreretina hoe ilay mpahandro no miresaka amin'i Saoly. DH: "Dia hoy ilay mpahandro hoe"
Toerana mahazatra hihinanan'ny fianakaviana, hamangiany ary hatoriany io. Somary mangatsiatsiaka kokoa noho ny ao anatin'ny trano izany amin'ny hariva sy ny alina.
Azo atao mazava izay nataon'i Saoly teny an-tampon-trano. DH: "raha mbola natory teny an-tampon-trano i Saoly, dia niantso azy Samoela ka niteny hoe"
Azo eritreretina fa i Samoela no nilaza ireo teny rehetra ireo. DH: "hialoha antsika, ary rehefa lasa nialoha izy, dia tsy maintsy mijanona ianao"
"mba hilazako aminao ny hafatr'Andriamanitra ho anao"
1 Dia naka ny tavoara misy ny diloilo i Samoela, nandraraka izany teo ambony lohan'i Saoly, ary nanoroka azy. Hoy izy hoe: "Moa ve Yaveh tsy efa nanosotra anao ho mpanapaka ny lovany? 2 Rehefa handao ahy ianao anio, dia hahita lehilahy anankiroa eo akaikin'ny fasan-dRahely, ao amin'ny faritanin'i Benjamina ao Zelza. Hiteny aminao izy ireo hoe: 'Ireo boriky izay notadiavinao dia efa hita. Ankehitriny ny razambenao dia nitsahatra tsy niahiahy ny amin'ireo boriky ary dia manahy ny momba anao, miteny hoe: "Inona no tokony hataoko mahakasika ny zanako lahy?"' 3 Dia handeha lavidavitra kokoa avy any ianao, ary ho tonga eo amin'ny hazo terebintan'i Tabara. Hihaona amin'ny lehilahy telo mandeha ho any amin'Andriamanitra any Betela ianao, ny iray mitondra zanak'osy telo, ny hafa mitondra mofo telo, ary ny hafa mitondra sinin-divay hoditra. 4 Hiarahaba anao izy ireo ary hanome mofo roa anao, izay halainao avy eo an-tanan'izy ireo. 5 Aorian'izany, dia hiverina ho eo amin'ny havoan'Andriamanitra ianao, izay misy ny miaramilan'ny Filistina. Rehefa tonga ao amin'ilay tanàna ianao, dia hihaona amin'ny andiana mpaminany hidina avy any amin'ny toerana avo miaraka amin'ny lokanga, amponga tapaka, sodina, ary valiha eo alohan'izy ireo; haminany izy ireo. 6 Ny Fanahin'i Yaveh hilatsaka eo aminao, ary haminany miaraka amin'izy ireo ianao, ka hiova ho lehilahy hafa. 7 Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay rehetra hitan'ny tananao fa tokony ho atao, satria Andriamanitra momba anao. 8 Midìna eo mialoha ahy ho any Gilgala. Dia hidina any aminao aho hanolotra ireo fanatitra dorana ary hanao sorona fanati-pihavanana. Miandrasa fito andro mandra-pandehanako ho eo aminao ary hampisehoako aminao izay tokony hataonao." 9 Rehefa nitodi-damosina handao an'i Samoela i Saoly, dia nomen'Andriamanitra azy ny fo vaovao. Dia tonga ireo famantarana rehetra ireo tamin'izany andro izany. 10 Rehefa tonga teny amin'ny havoana izy ireo, dia nisy andiana mpaminany nihaona taminy, ary ny Fanahin'Andriamanitra nidina teo aminy ka naminany niaraka tamin'izy ireo izy. 11 Rehefa nahita azy niaraka tamin'ireo mpaminany ny olona rehetra izay nahalala azy teo aloha, dia nifampiteny ny olona hoe: "Inona no nahazo ny zanaka lahin'i Kisy? Anisan'ny iray amin'ireo mpaminany koa ve i Saoly? 12 Nisy lehilahy nipetraka teo amin'io toerana io namaly hoe: "Dia iza no rain'izy ireo?" Noho izany, dia lasa fiteny ny hoe: "Anisan'ireo mpaminany ihany koa ve i Saoly?" 13 Rehefa nahavita ny faminaniana izy dia nankany amin'ny fitoerana avo. 14 Dia hoy ny dadatoan'i Saoly taminy sy ny mpanompony hoe: "Taiza no nalehanareo?" Namaly izy hoe: "Nitady ireo boriky. Rehefa hitanay fa tsy nety hitanay ireo, dia nankany amin'i Samoela izahay." 15 Hoy ny dadatoan'i Saoly hoe: "Mba teneno amiko re izay nolazain'i Samoela taminareo." 16 Namaly ny rahalahin-drainy i Saoly hoe: "Niteny taminay mazava tsara izy fa efa hita ireo boriky." Fa tsy nilaza taminy ny momba ilay resaka fanjakana, izay efa nolazain'i Samoela izy. 17 Dia nantsoin'i Samoela hiaraka teo anoloan'i Yaveh tao Mizpa ireo vahoaka. 18 Hoy izy tamin'ireo olon'Israely hoe: "Izao no zavatra nolazain'i Yaveh, Andriamanitry ny Israely: 'Namoaka ny Israely hiala avy tao Egypta Aho ary nanavotra anareo teo amin'ny tananan'ireo Egyptiana, ary tamin'ny tanan'ireo fanjakana rehetra izay nampahory anareo.' 19 Fa ankehitriny nandà ny Andriamanitrareo, izay nanavotra anareo tamin'ireo loza sy fahorianareo rehetra ianareo; ary nilaza taminy ianareo hoe: 'Mametraha mpanjaka eo aminay.' Ankehitriny atolory eo anoloan'i Yaveh araka ireo fokonareo sy ireo vondronareo ny tenanareo." 20 Dia nanakaiky an'i Samoela ireo fokon'Israely rehetra, ary ny fokon'i Benjamina no voafidy. 21 Avy eo dia nentiny nanakaiky ny vondron'izy ireo ny fokon'i Benjamina; ary ny fokon'ny Matrita no voafidy, ary Saoly zanaka lahin'i Kisy dia voafidy. Fa rehefa nandeha nitady azy izy ireo, dia tsy nety hita izy. 22 Ary ny olona dia te-hametra-panontaniana bebe kokoa tamin'Andriamanitra hoe: "Mbola misy lehilahy hafa ho avy ve?" Yaveh namaly hoe: "Nanafina ny tenany eo amin'ireo entana izy." 23 Dia nihazakazaka izy ireo ary naka an'i Saoly avy tao. Rehefa nitsangana teo amin'ireo olona izy, dia lava mihoatra ny olona rehetra avy eo an-tsorony no ho miakatra izy. 24 Dia hoy Samoela tamin'ireo olona hoe: "Hitanareo ve ilay lehilahy izay efa voafidin'i Yaveh? Tsy misy olona tahaka azy eo amin'ny vahoaka rehetra!" Ny olona rehetra niantsoantso hoe: "Ho ela velona ny mpanjaka!" 25 Dia nilaza tamin'ny vahoaka ireo fomba sy ireo fitsipiky ny fanjakana i Samoela, nanoratra ireo tao anaty boky, ary nametraka izany teo anatrehan'i Yaveh. Avy eo dia nalefan'i Samoela ny vahoaka rehetra, ho any amin'ny tranony avy. 26 Nody tany an-tranony tao Gibea ihany koa i Saoly, ary niaraka tamin'ireo lehilahy matanjaka sasany, izay nokasihin'Andriamanitra ny fony. 27 Fa ny sasany tamin'ireo olona tsy misy dikany nanao hoe: "Ahoana no hahafahan'io lehilahy io manavotra anay?" Nanaraby an'i Saoly ireo olona ireo ary tsy mba nitondra fanomezana ho azy. Fa nangina kosa i Saoly. [1]
Tamin'ny kolontsaina Israelita, rehefa misy mpaminany mandraraka diloilo eo amin'ny lohan'ny olona iray, dia nandray fitahiana avy amin'i Yaveh io olona io.
fitoeran-javatra kely vita amin'ny tanimanga nodorana
Hain'i Samoela ny valin'izany fanontaniana izany. Mampatsiahy an'i Saoly izy fa Yaveh no nifidy azy ho mpanjakan'Israely. DH: "Nanosotra anao ho mpanapaka eo amin'ny lovany tokoa Yaveh."
Anaran-toerana io.
Miahiahy ny amin'i Saoly ny rainy izao ary te hahita azy.
Anaran-toerana io.
Ny tanana dia ilazana ilay olona. "halaina amin'izy ireo" na "raisinao"
Zava-maneno misy lohany tahaka ny amponga izay azo velezina izany ary misy vy izay mikorintsana eo amin'ny manodidina azy rehefa ahetsiketsika.
Ny andian-teny hoe "hilatsaka eo aminao" dia midika fa hitarika an'i Saoly ny Fanahin'i Yaveh. Amin'ity toe-javatra ity dia midika izany fa hahatonga an'i Saoly haminany izy ary hanao fihetsika tahaka ny olon-kafa.
Eto dia resahin'i Samoela tahaka ny hoe olona miezaka ny hahita zavatra ny tanan'i Saoly. DH: "ataovy izay rehetra heverinao fa mety hatao"
Nahatonga an'i Samoela hisaina amin'ny fomba hafa amin'ny nataony taloha Andriamanitra.
Ny Fanahin'i Yaveh dia resahin'i Samoela tahaka ny hoe olona mihazakazaka mankeo amin'i Saoly ary mifehy azy tanteraka. Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 10:5 io. DH: "nifehy azy tanteraka ny Fanahin'i Yaveh"
Ireo mety ho heviny dia 1) mitady fampahafantarana ny olona 2) io dia fanontaniana fampisainana izay midika fa tsy manan-danja i Saoly. DH: "Tsy olona manan-danja i Kisy, noho izany dia tsy marina mihitsy fa lasa mpaminany ny zanany!"
"Saoly, zanak'i Kisy"
Mampiasa fanontaniana fampisainana io lehilahy io mba hampatsiahivana ny olona fa ny maha-mpaminany dia tsy misy hidirany amin'ny hoe izy no ray aman-drenin'io olona io. Azo adika ho fanambarana tsotra io fanontaniana io. DH: "Tsy olana hoe iza no ray aman-drenin'ireo mpaminany hafa ireo. Ny zava-dehibe dia, ny filazan'i Saoly ny hafatra avy amin'Anriamanitra, amin'ny fomba mahagaga." (UDB)
Nanjary ohabolana teo amin'ny Israelita izany. Toa nilaza izany ny olona mba hanehoana ny fahatairana rehefa manao zavatra izay mbola tsy nataony taloha amin'ny fomba tsy ampoizina ny olona iray. Ny hevitra ambadik'io fanontaniana io dia azo ambara amin'ny fomba mazava. DH: "Ary izany no antony hiheveran'ny olona momba ny nahazo an'i Saoly ka hanaovany hoe: 'Tena isan'ireo mpaminany tokoa ve i Saoly?' rehefa tsy mety mino zavatra zavatra iray ny olona."
"Dia hoy ny rahalahin-drain'i Saoly tamin'i Saoly"
"Tsy nilaza tamin'ny dadatoany i Saoly fa nanendry azy ho mpanjakan'Israely Andriamanitra"
Ny anarana hoe "Israely" dia fibangoan-teny ilazana ny vahoakan'Israely. "namoaka ny vahoakan'Israely avy tao Egypta aho"
"izao"
Ny teny hoe "tanana" eto dia ilazana ny fahefana. DH: "ny fahefan'ny Egyptiana ... ny fahefan'ny fanjakana rehetra"
"Omeo mpanjaka izahay mba hanjaka aminay"
"miangona araka ny foko sy ny fianakaviambe ary tongava mijoro eo anatrehan'i Yaveh"
Io dia azo atao hoe DH: "Nifidy ny fokon'i Benjamina i Yaveh ... nifidy ny fokon'i Matrita Yaveh ... nifidy ny zanaka lahin'i Kisy Yaveh" Mety tsara kokoa ny tsy milaza ny fomba nahalalan'ny olona izay nofidian'i Yaveh.
Tsy tonga hatreo an-tsorony akory ireo olona ranjanana tao Israely. Adikao araka ny ao amin'ny 9:1 io.
DH: "ireo zavatra izay haneren'ny mpanjaka ho ataon'izy ireo, sy ny zavatra rehetra notakiana hataon'ny mpanjaka"
Ny fikasihan'Andriamanitra ny fon'ny olona dia fomba fiteny izay midika fa mametraka zavatra ao an-tsain'izy ireo na nampihetsika azy ireo hanao zavatra iray Andriamanitra. DH: "izay naniry hiaraka tamin'i Saoly satria nanova ny fiasainany Andriamanitra"
Io fanontaniana fampisainana io dia ampiasaina hanehoana fanesoana. DH: "Tsy manan-kery hanavotra anay io lehilahy io!"
"nankahala mafy"
1 Avy eo Nahasy Amonita nandeha ary nitoby tany Jabesi-Gileada. Hoy ny olon'i Jabesy rehetra tamin'i Nahasy hoe: "Manaova fanekena miaraka aminay, dia hanompo anareo izahay." 2 Dia namaly i Nahasy Amonita hoe: "Amin'izao fepetra izao no hanaovako fifanekena aminareo, dia ny hipotsirako ny maso ankavananareo rehetra, ary izany no fomba hitondrana fahafaham-baraka eo amin'Israely rehetra." 3 Ary ny loholon'i Jabesy namaly azy hoe: "Avelao irery mandritra ny fito andro izahay, mba hahafahanay mandefa iraka mankany amin'ny fari-tanin'Israely rehetra. Ary, raha tsy misy na iray aza hamonjy anay, dia hitolo-batana aminareo izahay." 4 Dia tonga tany Gibea, izay nitoeran'i Saoly ireo iraka, ary nilaza izay zava-nitranga tamin'ny vahoaka. Dia nitomany mafy ny vahoaka rehetra. 5 Ary nanaraka ireo omby avy tao an-tsaha i Saoly. Hoy i Saoly: "Inona no mahazo an'ireo vahoaka ka mampitomany azy ireo?" Dia noresahin'izy ireo tamin'i Saoly izay nolazain'ny lehilahin'i Jabesy. 6 Rehefa ren'i Saoly izay nolazain'izy ireo, dia nilatsaka teo aminy ny Fanahin'Andriamanitra, ka tezitra mafy izy. 7 Naka ziogan'omby iray izy, ka nokapakapainy, ary nalefany nanerana ny Israely rehetra niaraka tamin'ireo iraka ireo. Hoy izy: "Izay rehetra tsy hivoaka hanaraka an'i Saoly sy Samoela, dia toy ireny no hanaovana ny ombiny." Ary nilatsaka tamin'ny vahoaka ny horohoron'i Yaveh, ka niara-nivoaka toy ny olona iray izy ireo. 8 Rehefa namory azy ireo tany Bezeka izy, dia dia nisy telo hetsy ny vahoakan'Israely, ary ny olon'ny Joda dia telo alina. 9 Hoy izy ireo tamin'ireo iraka izay tonga: "Hilaza amin'ny olon'ny Jabesi-Gileada ianareo hoe: 'Rahampitso, amin'ny fotoana mampahamay ny masoandro, dia ho voavonjy ianareo."' Koa nandeha ireo iraka ary nilaza tamin'ny olon'i Jabesy, ary faly izy ireo. 10 Dia hoy ny olon'i Jabesy tamin'i Nahasy: "Hitolo-batana aminao izahay rahampitso, dia afaka ataonao aminay izay hitanao fa mety aminao." 11 Ny ampitso dia napetrak'i Saoly tao anaty vondrona telo ny vahoaka. Dia nankeo afovoan'ny toby tamin'ny fiambenana maraina izy ireo, ary nanafika izy ireo ka naharesy ireo Amonita mandra-pahamay ny andro. Ireo izay mbola velona dia naely, mba tsy hisian'ny roa hiara-tavela. 12 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Samoela: "Iza ilay niteny hoe: 'Hanjaka eto amintsika ve i Saoly?' Ento ireo olona, mba hahafahantsika mamono azy ireo." 13 Fa hoy i Saoly: "Aoka mba tsy hisy ho faty na iray aza amin'ity andro ity, satria nanavotra an'Israely Yaveh androany." 14 Avy eo dia hoy i Samoela tamin'ny vahoaka: "Andao, andeha isika handeha any Gilgala ary hanavao ny fanjakana any indray." 15 Koa nandeha tany Gilgala ny vahoaka rehetra ary nanao an'i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan'i Yaveh tany Gilgala. Tany no nanaovan'izy ireo sorona fanati-pihavanana teo anatrehan'i Yaveh, ary Saoly sy ireo lehilahin'Israely dia feno hafaliana tanteraka.
Lehilahy avy any Amona io, izay taranak'i Lota, zana-drahalahin'i Abrahama.
Anaran-toerana io.
"ny hanongotako" na "ny handoarako"
"hitondra henatra" na "hitondra laza ratsy"
"7 andro"
Anaran-toerana io.
Ny andian-teny hoe "nilatsaka teo aminy" dia midika fa hitarika an'i Saoly ny Fanahin'i Yaveh. Amin'ity toe-javatra ity dia mahatonga an'i Saoly ho afaka hitarika ny olona hanaja azy ami-tahotra amin'ny maha-mpanjakan'izy ireo azy Izy ary hanatevin-daharana ny tafiny. Jereo ny fomba nandikanao ny andian-teny mitovy amin'io ao amin'ny 10:5.
Niantso ny olon'Israely rehetra ho avy hiady amin'ny Nahasy sy ny Amonita i Saoly.
Nahatonga ny olona hanaja an'i Saoly amin-tahotra amin'ny maha-mpanjaka azy Yaveh. Ny vokatr'izany dia niara-nikambana tamin'i Saoly tany Bezeka ireo lehilahy.
Anarana vohitra eo akaikin'i Jabesi-Gileada io.
"dia nisy 300.000 ny vahoakan'Israely, ary ny olon'ny Joda dia 30,000
Manondro an'i Samoela sy Saoly ny hoe "izy ireo."
"mialohan'ny fotoana mahamay indrindra amin'ny andro" na "mialohan'ny mitataovovonana"
Anaran-toerana ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 11:1.
Anarana mpanjaka io. ereo ny nandikanao izany ao amin'ny 11:1.
Mialohan'ny andro vao mangiran-dratsy izay mbola natorian'ny ankamaroan'ny olona tao an-toby izany.
"nanao an'i Saoly ho mpanjaka teo am-pijeren'i Yaveh"
Isan'ny fanompoan'i Samoela an'i Yaveh ny manolotra sorona na dia tsy avy amin'ny firazanan'i Arona na Levy aza izy.
1 Hoy i Samoela tamin'ny Israely rehetra: "Efa nihaino ny zavatra rehetra nolazainareo tamiko aho, ary efa nanendry mpanjaka teo aminareo. 2 Ankehitriny, indro mandeha eo anoloanareo ny mpanjaka; ary efa antitra sy fotsy volo aho; ary, ireo zanako dia eo aminareo. Efa nandeha teo anatrehanareo hatramin'ny fahatanorako ka mandrak'androany aho. 3 Inty aho; mijoroa vavolombelona hanohitra ahy eo anatrehan'i Yaveh sy eo anatrehan'ilay voahosony. Ombin'iza no efa nalaiko? Ampondran'iza no efa nalaiko? Iza no efa nambakaiko? Iza no efa nampijaliako? Avy tamin'ny tanan'iza no efa nandraisako kolikoly mba hahatampina ny masoko? Mijoroa vavolombelona hanohitra ahy, fa haveriko aminareo izany." 4 Hoy izy ireo hoe: "Tsy namitaka anay ianao, tsy nampijaly anay, na naka na inona na inona avy teo an-tanan'olona." 5 Dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Yaveh no vavolombelona aminareo, ary ilay voahosony no vavolombelona androany, fa tsy nahita na inona na inona teo an-tanako ianareo." Izy ireo namaly hoe: "Yaveh no vavolombelona." 6 Hoy i Samoela tamin'ireo vahoaka hoe: "Yaveh no nanendry an'i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razambenareo niakatra avy tao amin'ny tany Egypta. 7 Koa ankehitriny, atolory ny tenanareo, mba hahafahako mifandahatra aminareo eo anatrehan'i Yaveh mahakasika ireo asa marin'i Yaveh, izay nataony ho anareo sy ny razambenareo. 8 Rehefa tonga tany Egypta i Jakoba, ary nitaraina tamin'i Yaveh ireo razambenareo, dia nandefa an'i Mosesy sy i Arona i Yaveh, izay nitarika ireo razambenareo hivoaka an'i Egypta ary nonina tamin'ity toerana ity izy ireo. 9 Fa izy ireo nanadino an'i Yaveh Andriamaniny; ka nivarotra azy ireo teo an-tanan'i Sisera, mpitarika ireo tafik'i Hazora izy, teo an-tanan'ireo Filistina, ary teo an-tanan'ny mpanjakan'i Moaba; ireo rehetra ireo no niady tamin'ny razambenare. 10 Nitaraina tamin'i Yaveh izy ireo ary nanao hoe: 'Efa nanota izahay, satria nahafoy an'i Yaveh ary efa nanompo an'ireo Bala sy ireo Astarta. Fa ankehitriny manafaha anay eo an-tanan'ireo fahavalonay, dia hanompo anao izahay.' 11 Noho izany dia naniraka an'i Jerobala, Bedana, Jefta, ary Samoela i Yaveh, ary nanome fandresena anareo teo amin'ireo fahavalonareo rehetra manodidina anareo, ka nahafahanareo niaina am-pilaminana. 12 Rehefa hitanareo fa avy hanohitra anareo i Nahasa mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, dia hoy ianareo tamiko hoe: 'Tsia! Fa aoka, ho mpanjaka kosa no hanjaka eto aminay'—kanefa Yaveh Andriamanitrareo, no mpanjakanareo. 13 Indro ankehitriny ny mpanjaka izay nosafidinareo, izay nangatahinareo, ary izay notendren'i Yaveh ho mpanjaka eo aminareo anio. 14 Raha matahotra an'i Yaveh ianareo, dia manompoa Azy, ankatoavy ny feony, ary aza mikomy hanohitra ny didin'i Yaveh, ary samy ho mpanaraka an'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka eo aminareo. 15 Fa raha tsy mankatò ny feon'i Yaveh ianareo, fa mikomy manohitra ireo didin'i Yaveh, dia hamely anareo ny tanan'i Yaveh, tahaka ny namelezana ireo razambenareo. 16 Koa mitsangàna ankehitriny ary jereo izao zavatra lehibe izay hataon'i Yaveh eto imasonareo izao. 17 Moa ve tsy fotoam-pijinjana vary tritrika izao? Hiantso an'i Yaveh aho, mba handefasany kotroka sy orana. Dia ho fantatrareo sy ho hitanareo fa lehibe ny haratsiam-panahinareo, izay nataonareo teo imason'i Yaveh, tamin'ny alalan'ny fangatahanareo mpanjaka." 18 Koa dia niantso an'i Yaveh i Samoela; ary tamin'izany andro izany ihany dia nandefa oram-baratra i Yaveh. Ary dia natahotra mafy an'i Yaveh sy i Samoela ny vahoaka rehetra. 19 Dia hoy ireo vahoaka rehetra tamin'i Samoela hoe: "Mivavaha ho an'ireo mpanomponao amin'i Yaveh Andriamanitrao, mba tsy ho faty izahay. Satria efa nanampy ny fahotanay rehetra tamin'izao zava-dratsy izao tamin'ny alalan'ny fangatahana mpanjaka izahay." 20 Dia namaly Samoela hoe: "Aza matahotra. Efa nanao izao ratsy rehetra izao ianareo, kanefa aza miala amin'i Yaveh, fa manompoa an'i Yaveh amin'ny fonareo manontolo. 21 Aza mivily manaraka ireo zava-poana izay tsy mahasoa na mahavonjy anareo, satria dia tsy misy ilàna azy ireo. 22 Fa nohon'ny anarany lehibe, dia tsy handà ny olony i Yaveh, satria mahafaly an'i Yaveh ny hanao anareo ho vahoakany. 23 Raha ny amiko, dia sanatriaviko ny hanota amin'i Yaveh amin'ny fitsaharana ny hivavaka ho anareo. Fa kosa hampianatra anareo ny lalana izay tsara sy marina aho. 24 Yaveh ihany hatahorana ary manompoa Azy amin'ny fahamarinana amin'ny fonareo manontolo. Hevero ireo zava-dehibe izay efa nataony taminareo. 25 Fa raha mikiry ny hanao ratsy ianareo, dia samy ho ringana ianareo sy ny mpanjakanareo."
Ireo fomba fiteny ireo dia midika fa hitan'ny olona tokoa ny karazam-piaianana iainan'i Saoly sy Samoela. DH: "hita ny fiainan'ny mpanjaka ... hita ny fiainako"
Amin'ity fanambarana ity dia manome fanamby ny olona mba hiteny mafy i Samoela raha nanao ratsy tamin'iza na iza. DH: "Mijoro eto anatrehanareo aho izao. Mangataka aminareo aho hiteny eo anatrehan'i Yaveh sy ny mpanjaka voahosony raha nanao izay tsy mety taminareo"
Mampiasa fanontaniana fampisainana i Samoela mba hampatsiahivana ny olona fa tsy mbola nangalatra ny bibin'izy ireo mihitsy izy. DH: "Tsy mbola nangalatra biby izay sarobidy tamin'olona mihitsy aho."
Mampiasa fanontaniana fampisainana iray hafa i Samoela mba hilazana fa marina hatrany izy. DH: "tsy mbola nisoloky na nandangolango olona aho."
"Raha nanao iray tamin'ireo zava-dratsy ireo aho, dia mitenena izao, ary haveriko izay trosako. Ho hatsaraiko izay tsy nety rehetra"
Ireo andian-teny ireo dia midika hoe izay ananan'ny olona iray na izay nataony mba hahazoana sitraka amin'ny hafa. Io dia fomba mihaja ilazana fa tsy nangalatra izy, na nanome na nandray tsolotra.
Misarika ny sain'izy ireo ho amin'ny tantaran'ny fomba nitondran'i Yaveh an'Israely i Samoela, izay feno fahatsarana sy tanjona.
"teo amin'ny fahefan'i Sisera ... Filistina ... mpanjakan'i Moaba
Anaran-dehilahy ireo.
Anaran-toerana io.
Io dia fomba fiteny ilazana n'ny fanoloran'Andriamanitra azy ireo ho an'ny fahavalony mba ho andevony.
Ny hoe "izy ireo" dia manondro ny firenen'Israely.
Anarana maneho haja sy herin'andriamanitra hiadiana amin'ny andriamanitra sandoka io.
Milaza ny tantaran'ny nataon'Andriamanitra taorian'ny fiaiken'ny vahoaka heloka sy fangatahany famonjena i Samoela.
Anarana mpitsara sasany izay natsangan'Andriamanitra ireo. Nampidirin'i Samoela tao anatin'io lisitra io ny tenany.
Ny fanompoana eto dia ilazana ny fanompoana andriamanitra sandoka. DH: "nanompo andriamanitra sy andriamanitra vavy sandoka"
Mampiasa ny hoe "tanana" io fanambarana io mba hilazana ny fahefana. DH: "fahefana na fifehezan'ny fahavalonay"
Io fanambarana io dia mampiseho ny fihetsika meherin'ny firenen'Israely nanohitra an'i Samoela rehefa nilaza tamin'izy ireo ny amin'ny fatokiana an'Andriamanitra i Samoela satria nanafaka azy ireo Andriamanitra taloha.
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ary manamafy fa io ilay mpanjaka notadiavin'izy ireo.
Ampiasaina ireo teny mitovitovy ireo mba hanindriana ny amin'ny mahazava-dehibe an'izany.
Ny teny hoe "tanana" eto dia maneho ny fahefana sy fifehezan'Andriamanitra. DH: "Ho faizin'i Yaveh ianareo, tahaka ny namaizany ny razanareo:
Ny teny hoe "maso" eto dia maneho ny firenen'Israely. DH: "eny ankalamanjana izay mety hahitan'ny firenen'Israely rehetra"
Fantatr'i Samoela fa fotoam-pinjinjana tamin'izany. Mampiasa fanontaniana fampisainana izy mba hanindriana fa tsy manorana matetika amin'izany fotoana izany, koa fantatry ny olona fa ny orana izay hanimba ny vokatra dia fitsarana avy amin'i Yaveh. DH: "Fotoam-pijinjana izao ary tsy manorana matetika amin'ny fotoana tahaka izao"
Mangataka amin'i Yaveh mba hanafay an'Israely nohon'ny fangatahana mpanjaka tamin'ny fandefasana oram-baratra nandritra ny fotoam-pijinjana izay hamotika ny voa i Samoela.
Ny famaizana faran'ny fahotana dia fahafatesana. Efa nahita an'i Yaveh nandringana ireo firenena izay nampahory azy ireo ny firenen'Israely. Niahiahy izy ireo fa "voatokana ho amin'ny fandringanana" tahaka ireo firenena ireo.
Nanao ratsy ny olona ary natahotra ny fandringanan'Andriamanitra azy ireo. DH: "Aza matahotra hoe ho tezitra Andriamanitra ka handringana anareo nohon'ny amin'izao fahotana izao"
"manaraka ny fanompoana ireo andriamanitra sandoka ireo"
Eto ny "anarana" dia ilazana ny lazan'i Yaveh. DH: "Mba hanohizan'ny olona hanome voninahitra sy hanaja an'i Yaveh"
Heniky ny tahotra ny olona nohon'ny amin'ny orana sy ny kotroka izay nalefan'i Yaveh rehefa nivavaka i Samoela. Mety hino ny olona sasany fa nampiasa io vavaka io i Samoela mba hamelezana azy ireo.
1 Telopolo taona i Saoly no nanomboka nanjaka; rehefa nanjaka efapolo taona teo amin'Israely izy, 2 dia nifantina lehilahy telo arivo teo amin'Israely. Roa arivo no niaraka taminy tany Mikmasy sy tany amin'ny havoan'ny tanànan'i Betela, raha ny arivo kosa niaraka tamin'i Jonatana tany Gibean'i Benjamina. Ireo miaramila sisa tavela dia nalefany nody, ny lehilahy tsirairay samy ho any an-dainy avy. 3 Nandresy ny toby miaramilan'ny Filistina i Jonatana izay tany Geba ary nandre izany ireo Filistina. Dia nitsoka trompetra nanerana ny tany rehetra i Saoly, niteny hoe: "Aoka handre ireo Hebreo." 4 Ren'ny Israely rehetra fa i Saoly dia nandresy ny miaramilan'ny Filistina, ary ny Israely ihany koa dia tonga fofona lo ho an'ireo Filistina. Ary ireo miaramila dia nampiantsoina hivondrona hanaraka an'i Saoly any Gilgala. 5 Niara-nivondrona ireo Filistina mba hiady hanohitra ny Israely: kalesy telo arivo, lehilahy enina arivo hitondra ireo kalesy, ary antoko maro an'isa toy ny fasika eny amoron-dranomasina. Niakatra izy ireo ary nitoby tany Mikmasy, atsinanan'i Betavena. 6 Rehefa hitan'ireo lehilahin'Israely fa nisavoritaka izy ireo—fa ory ny vahoaka, dia niafina tao amin'ireo zohy, tao amin'ny kirihitr'ala, tao amin'ireo haram-bato, tao amin'ny famorian-drano, ary tao anaty lavaka ny vahoaka. 7 Ny sasany tamin'ireo Hebreo niampita an'i Jordana ho any amin'ny tanin'i Gada sy Gileada. Fa i Saoly kosa mbola tany Gilgala, ary ny vahoaka rehetra nanaraka azy tamim-pangovitana. 8 Niandry nandritra ny fito andro izy, ny fotoana izay nomen'i Samoela. Fa Samoela tsy tonga tany Gilgala, ary ny vahoaka dia niparitaka niala teo amin'i Saoly. 9 Hoy Saoly: "Ento aty amiko ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana." Dia natolony ny fanatitra dorana. 10 Vantany vao voatolony ny fanatitra dorana dia tonga i Samoela. Nivoaka nitsena sy niarahaba azy i Saoly. 11 Ary hoy Samoela: "Inona ny nataonao?" Namaly i Saoly hoe: "Rehefa hitako fa niala tamiko ny vahoaka, ary tsy tonga teto amiko tamin'ny fotoana nomena ianao, ary ireo Filistina efa niangona tany Mikmasy, 12 dia hoy aho hoe: 'Ankehitriny ireo Filistina dia hidina hanohitra ahy ao Gilgala, ary izaho tsy nitady ny fankasitrahan'i Yaveh.' Koa nanery ny tenako hanolotra ny fanatitra dorana aho." 13 Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: "Nanao adalana ianao. Tsy nitandrina ny didin'i Yaveh Andriamanitrao izay nomeny anao ianao. Fa tamin'izany no nametrahan'i Yaveh ny fanapahanao eo amin'Israely mandrakizay. 14 Fa ankehitriny dia tsy hitohy ny fanapahanao. Nitady lehilahy iray araka ny fony ihany Yaveh, ary Yaveh nanendry azy ho andriana eo amin'ny vahoakany, satria tsy nankatoa izay nandidiany anao ianao." 15 Avy eo dia nanainga i Samoela ka niakatra avy any Gilgala ho any Gibean'ny Benjamina. Ary Saoly nanisa ny vahoaka izay tonga niaraka taminy teo, teo ho eo amin'ny enin-jato lahy teo. 16 Saoly, Jonatana zanany lahy, ary ny vahoaka izay tonga niaraka tamin'izy ireo, dia nitoetra tao Gibean'ny Benjamina. Fa ireo Filistina kosa nitoby tany Mikmasy. 17 Nivoaka avy tao amin'ny tobin'ireo Filistina tamin'ny vondrona telo ireo mpanafika. Ny vondrona iray nankany Ofra, any amin'ny tanin'i Soala. 18 Ny vondrona iray hafa nankany Beti-horona, ary ny vondrona iray hafa nankany amin'ny sisin-tany izay hahatazanana ny Lohasahan'i Zeboima manatrika ny tany efitra. 19 Tsy nahitana mpanefy nanerana ny Israely rehetra, satria hoy ireo Filistina: "Raha tsy izany ireo Hebreo dia hanamboatra sabatra na lefona ho azy ireo." 20 Fa ireo lehilahin'Israely rehetra dia efa zatra nidina nankany amin'ireo Filistina, ny tsirairay mba handranitra ny tendron'angadiny, ny fihadian-taniny, ny famakiny, ary ny antsim-bilony. 21 Ny sarany dia roa ampahatelon'ny sekely ny tendron'angady, sy ny fihadian-tany, ary iray ampahatelon'ny sekely ny fandranitana ny famaky sy ny fanitsiana ny fanindronana. 22 Koa tamin'ny andron'ny ady, dia tsy nahitana sabatra na lefona teo an-tanan'ireo miaramila izay niaraka tamin'i Saoly sy Jonatana; i Saoly sy Jonatana zanany ihany no nanana an'izany. 23 Ireo miaramilan'ny Filistina dia nivoaka nankany amin'ny lalan'i Mikmasy.
Navaozin'i Samoela ny fanjakan'i Saoly tao Gilgala ary nampatsiahivin'i Samoela mba hanaraka ny Tompo ny olona.
Ny lahatsoratra amin'ity andininy ity tamin'ny fandikana taloha dia toa niova, koa dia manana dikan-teny maro samihafa ireo fandikana vaovao. Samy fiheverana ny haneho izay dika tena azo eritreretina indrindra avokoa ireo.
"nifantina lehilahy 3.000"
"2.000 no niaraka taminy tany Mikmasy"
Gibea dia vohitra iray. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 10:26.
"Nalefany nody ireo miaramila sisa"
Io no anaran'ny vohitra izay nitoeran'ny toby miaramilan'i Filistina.
Ireo mety ho heviny dia 1) I Saoly no nisolo andraikitra an'i Jonatana na 2) I Saloy no nahazo tambiny tamin'ny nataon'i Jonatana.
Ny fankahalan'ny Filistina an'ireo Israelita dia resahina toy ny hoe tonga fofona maimbo izay nahatohina ny Filistina ny Israelita. DH: "halan'ny Filistina ireo Israelita"
Io dia azo atao hoe DH: "Niantso ireo miaramila i Saoly mba hiaraka amin'ny any Gilgala"
"3.000 ... 6.000"
antoko miaramila be dia be ka tsy hita isa
Anaran-toerana io.
Anaran-toerana io.
Niara-niangona ireo Filistina mba hiady amin'Israely.
Io teny io dia manondro ny firenen'Israely.
"niahiahiy mafy ny vahoaka"
Natahotra mafy ny vahoaka.
"araka ny fotoana nolazain'i Samoela fa ahatongavany"
Io dia azo atao hoe DH: "nanomboka nandao an'i Saoly ny olona"
Ny taranak'i Arona ihany no nahazo alalana hanao ny sorona fanatitra dorana ho an'Andriamanitra.
Tsy tena nametraka fanontaniana i Saoly, fa nibedy an'i Saoly. Nitady ny hiaro-tena tamin'ny nataony Saoly na dia tsy nety aza ireo.
Anaran-toerana ny hoe Mikmasy. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 13:1.
Tsy maintsy niandry an'i Samoela i Saoly mba ho avy ary hanao ny soron'ny fanatitra dorana ho an'Andriamanitra. Tsy tokony manao ilay sorona samirery izy.
"namela ny fanjakanao" na "nanendry ny fanjakanao"
Io fanalefahan-teny io dia azo adika hoe DH: "ho tapitra tsy ho ela ny fanapahanao"
Eto ny "fo" dia maneho ny faniriana na ny sitrapon'Andriamanitra. Ny andian-teny hoe "lehilahy iray araka ny fony ihany" dia fomba fiteny izay midika hoe olona izay manao izay irian'i Yaveh. DH: "lehilahy izay araka ny tiany" na "lehilahy izay mankatoa azy"
Io fomba fiteny io entina ilazana ny hoe "niala Samoela ka niakatra"
Tanàna izany Gilgala izany. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 7:15.
Gibea dia vohitra iray. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 10:26.
"600 lahy"
Gibea dia vohitra iray. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:3.
Anaran-toerana ny hoe Mikmasy. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 13:1.
Raha ny izy dia olon'ny miaramila izay manafika tanàna fahavalo hakàna ny sakafony sy ny vatsy hafa ny mpanafika.
Anaran-toerana ireo.
Miova ho filazana ny fampahafantarana ny andinindininy mahakasika ny mpanefy any Israely ny fitantarana.
Io dia azo atao hoe DH: "Tsy nisy nahita mpanefy"
Eto ny "mpanefy" dia ilazana ny olona izay nanamboatra na nandranitra fitaovana vy na fiadiana.
Ny teny hoe "tendron'angadiny" dia ilazana ny tendron'ny fitaovana vy ampiasaina hihadiana ny tany mba hambolena voly.
Karazana fitaovana fampiasa amin'ny saha mahazatra ireo.
Ny "fihadian-tany" dia famaky izay lehibe ny lelany, izay misy rirany mitsivalana hamakiana tany mafy.
antsy izay miendrika antsasaka boribory fanapahana ahitra sy tahom-bary
Ny sekely dia mizara 3, ary ny 2 amin'ireo ampahany 3 no omena. "2/3 sekely"
"fanesorana izay mibiloka ary fanitsiana ilay fanindronana indray mba ho azo ampiasaina"
Mitohy ny fitantarana.
Ity dia manazava amin'ny ampahany hoe nahoana ny tafik'i Saoly no natahotra. Tsy nanana fitaovam-piadiana ho enti-miady izy ireo.
1 Indray andro, i Jonatana zanak'i Saoly niteny tamin'ilay zatovo mpitondra ny fiadiany hoe: "Andao, andeha isika hiampita eny amin'ny toby miaramilan'ny Filistina eny ampita." Nefa tsy nolazainy ny rainy. 2 Nipetraka teo amin'ny manodidina an'i Gibea ambanin'ny hazon'ampongamben-danitra izay tao Migrona i Saoly. Teo ho eo amin'ny lehilahy eninjato teo no niaraka taminy, 3 anisan'izany Ahia, zanak'i Ahitoba (rahalahin'i Ikaboda) zanak'i Finehasa zanak'i Ely, ilay mpisoron'i Yaveh tao Silo, izay niakanjo efoda. Tsy fantatry ny vahoaka hoe lasa i Jonatana. 4 Teo amin'ny lafy tsirairay amin'ny fitàna izay nirian'i Jonatana handehanana mba hankanesana any amin'ireo miaramilan'ny Filistina, dia nisy haram-bato teo amin'ny andaniny ary haram-bato hafa teo amin'ny ankilany. Ny harambato iray nantsoina hoe Bozeza ary ny harambato iray hafa nantsoina hoe Sene. 5 Ny haram-bato iray nijoro teo avaratra nanoloana an'i Mikmasy, ary ilay hafa teo atsimo teo anoloan'i Geba. 6 Hoy Jonatana tamin'ilay zatovo mpitondra ny fiadiany: "Andao, andeha isika hiampita eny amin'ny miaramilan'ireo namana tsy voafora ireo. Angamba Yaveh mba hiasa ho antsika, fa tsy misy na inona na inona mahasakana an'i Yaveh amin'ny famonjena amin'ny maro na amin'ny olona vitsy." 7 Namaly ny mpitondra ny fiadiany hoe: "Ataovy ny zavatra rehetra izay ao am-ponao. Mandrosoa, indro, miaraka aminao aho, mba hankatoa ireo baikonao rehetra." 8 Dia hoy Jonatana hoe: "Hiampita ho eny amin'ireo lehilahy isika, ary hiseho eo amin'izy ireo. 9 Raha miteny amintsika izy ireo hoe: "Miandrasa eny mandra-pahatonganay eny aminareo'—dia hijanona eo amin'ny toerantsika isika ka tsy hiampita eny amin'izy ireo. 10 Kanefa raha mamaly izy ireo hoe: 'Mankanesa aty aminay', dia hiampita isika; satria efa natolotr'i Yaveh ho eo an-tanantsika izy ireo. Izany no ho famantarana ho antsika." 11 Koa samy niseho teo amin'ny toby miaramilan'ny Filistina izy ireo. Hoy ireo Filistina: "Indro, mivoaka avy ao amin'ireo lavaka izay nanafenan'izy ireo ny tenany ireo Hebreo." 12 Dia niantso an'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany ireo lehilahin'ny miaramila, ka nanao hoe: "Miakàra aty aminay, dia hampisehoanay zavatra ianareo." Hoy Jonatana tamin'ny mpitondra ny fiadiany: "Manaraha ahy avy ao aoriana, satria efa natolotr'i Yaveh eo an-tanan'ny Israely izy ireo." 13 Nihanika tamin'ny tanany sy tongony i Jonatana, ary nanaraka tao aoriany ny mpitondra ny fiadiany. Novonoina teo anoloan'i Jonatana ireo Filistina, ary ny mpitondra ny fiadiany namono ny sasany tao aoriany. 14 Izany fanafihana voalohany izay nataon'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany izany, dia nahafaty tokony ho lehilahy roapolo tao amin'ny faritry ny atsasa-hektara. 15 Nisy savoritaka lehibe tao an-toby, tany an-tsaha, sy teo amin'ireo vahoaka. Na dia ny miaramila sy ireo mpanafika aza dia natahotra. Nihovitrovitra ny tany, ary nisy tahotra lehibe. 16 Ary ireo mpitilin'i Saoly tany Gibean'ny Benjamina nijery; niparitaka ny vahoakan'ny miaramila Filistina, ary nanketsy sy nankeroa izy ireo. 17 Dia hoy Saoly tamin'ny vahoaka izay niaraka taminy: "Isao ary jereo izay tsy eto ny avy amintsika." Rehefa nanisa izy ireo, dia i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo. 18 Hoy Saoly tamin'i Ahia: "Ento aty ny fiaran'Andriamanitra," fa tany amin'ny vahoakan'ny Israely izany tamin'izany fotoana izany. 19 Raha mbola niresaka tamin'ny mpisorona i Saoly, dia nitohy sy nitombo ny tabataba tao an-tobin'ny Filistina. Dia hoy Saoly tamin'ny mpisorona: "Ahemory ny tananao." 20 Nivondrona ary nandeha tany an'ady i Saoly sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy. Ny sabatry ny Filistina tsirairay dia namely ny mpiray tanàna taminy, ary nisy fifanjevoana lehibe tokoa. 21 Ary ireo Hebreo izay niaraka tamin'ireo Filistina taloha ireo, sy izay nandeha niaraka tamin'izy ireo tany an-toby aza dia mba nikambana tamin'ireo Israelita izay niaraka tamin'i Saoly sy Jonatana. 22 Rehefa ren'ny olon'Israely rehetra izay niafina tany amin'ireo havoana akaikin'i Efraima fa nandositra ireo Filistina, dia nenjehin'izy ireo hatrany an'ady ireo. 23 Koa tamin'izany andro izany dia nanavotra ny Israely i Yaveh, ary nihoatra hatrany Betavena ny ady. 24 Ory ny olon'ny Israely tamin'izany andro izany satria i Saoly nametraka ny vahoaka tao ambany fianianana ary nanao hoe: "Voaozona ny olona izay mihinana sakafo mandra-pahariva ary izaho dia hamaly faty eo amin'ireo fahavaloko." Dia tsy nisy olona avy ao amin'ny antoko nanendry sakafo. 25 Ary niditra tao an'ala ny vahoaka rehetra ary nisy tantely teo amin'ny tany. 26 Rehefa niditra tao an'ala ny vahoaka, dia nikoriana ny tantely, nefa tsy nisy olona nanao ny tanany tao am-bavany satria natahotra ny fianianana ny vahoaka. 27 Nefa tsy ren'i Jonatana fa namatotra ny vahoaka tamin'ny fianianana ny rainy. Dia nanandratra ny tendron'ny tehiny izay teny an-tanany izy ary nanatsoboka izany tao amin'ny tohon-tantely. Nampiakatra ny tanany teo am-bavany izy, ka nazava ny masony. 28 Ary ny iray tamin'ny vahoaka, namaly hoe: "Novesaran'ny rainao tamin'ny fianianana henjana tokoa ny vahoaka, tamin'ny nilazany hoe: 'Voaozona ny olona izay mihinana sakafo amin'ity andro ity', na dia malemin'ny hanoanana aza ny vahoaka." 29 Dia hoy Jonatana: "Nanakorontana ny tany ny raiko. Jereo fa lasa nazava ny masoko satria nanandrana kely tamin'ity tantely ity aho. 30 Mainka raha nihinana am-palalahana tamin'izay voaroba tamin'ireo fahavalon'izy ireo izay hitany androany ny olona? Satria tsy lehibe teo amin'ireo Filistina ny famonoana ankehitriny." 31 Tamin'io andro io dia nanafika ireo Filistina nanomboka tao Mikmasy hatrany Aialona izy ireo. Reraka tanteraka ny vahoaka. 32 Nihazakazaka fatratra tamin'ireo voaroba ny vahoaka ka naka ondry, omby sy zanak'omby, ary namono ireo teo amin'ny tany. Nihinana izany niaraka tamin'ny rà ny vahoaka. 33 Dia hoy izy ireo tamin'i Saoly: "Indro, nanota tamin'i Yaveh tamin'ny fihinanana niaraka tamin'ny rà ny vahoaka." Hoy i Saoly: "Nanao izay tsy mahatoky ianareo. Ankehitriny, manakodiava vato lehibe eto ho ahy." 34 Hoy i Saoly: "Mivoaha avy eo amin'ny vahoaka, ary lazao azy ireo hoe: 'Aoka ny olona tsirairay hitondra ny ombiny sy ny ondriny, vonoy eto ireo, ary hano. Aza manota amin'i Yaveh amin'ny fihinanana miaraka amin'ny rà."' Koa ny tsirairay tamin'ny vahoaka dia nitondra ny ombiny niaraka taminy io alina io ary namono izany teo. 35 Nanamboatra alitara ho an'i Yaveh i Saoly, izay alitara voalohany namboariny ho an'i Yaveh. 36 Dia hoy Saoly: "Andeha isika hanenjika ireo Filistina rahalina ary handroba azy ireo mandra-maraina; andeha tsy avelantsika hisy ho velona na dia iray amin'izy ireo aza." Namaly izy ireo hoe: "Ataovy ny zavatra rehetra izay mety ho tsara aminao." Nefa hoy ny mpisorona: "Andeha isika hanatona an'Andriamanitra eto." 37 Nanontany an'Andriamanitra i Saoly hoe: "Tokony hanenjika ireo Filistina ve aho?" Hanolotra azy ireo eo an-tanan'ny Israely ve Ianao? Nefa tsy namaly azy Andriamanitra tamin'io andro io. 38 Dia hoy i Saoly: "Avia eto, ianareo mpitarika ny vahoaka rehetra; fantaro ary jereo ny fomba nitrangan'izao fahotana izao androany. 39 Fa, raha mbola velona koa Yaveh, izay manavotra ny Israely, na dia ao amin'i Jonatana zanako aza izany, dia ho faty tokoa izy." Nefa tsy nisy tamin'ireo olona teo amin'ny vahoaka rehetra namaly azy. 40 Dia hoy izy tamin'ny Israely rehetra: "Mitsangàna eo amin'ny ankilany, ary izaho sy Jonatana zanako dia ho eo amin'ny andaniny." Hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: "Ataovy izay mety ho tsara aminao." 41 Ka dia hoy Saoly tamin'i Yaveh, Andriamanitry ny Israely: "Asehoy ny Tomima." Jonatana sy Saoly no azo taminy filokana, fa tafiala tsy voafidy kosa ny vahoaka. 42 Dia hoy Saoly: "Manaova filokana amiko sy Jonatana zanako." Dia i Jonatana no voafidy tamin'ny filokana. 43 Dia hoy Saoly tamin'i Jonatana: "Lazao ahy izay nataonao." Hoy Jonatana taminy: "Nanandrana kely tamin'ny tantely teo amin'ny vodin'ny hazo izay tety an-tanako aho. Inty aho; ho faty aho." 44 Hoy Saoly: "Hanao izany Andriamanitra ary hanao mihoatra amiko ihany koa, raha tsy maty ianao, ry Jonatana." 45 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: "Tokony ho faty ve i Jonatana, izay nahatanteraka izao fandresena lehibe ho an'ny Israely izao? Sanatria anie izany! Raha mbola velona koa i Yaveh, dia tsy hisy singany iray amin'ny volon-dohany hilatsaka amin'ny tany, fa niasa niaraka tamin'Andriamanitra izy androany." Ka nanavotra an'i Jonatana ny vahoaka hany ka tsy maty izy. 46 Dia nitsahatra tsy nanenjika ny Filistina i Saoly, ary nandeha tany amin'ny toeran'izy ireo ny Filistina. 47 Rehefa nanomboka nanapaka ny Israely i Saoly, dia niady tamin'ireo fahavalony rehetra teny amin'ny lafiny rehetra izy. Niady tamin'ny Moaba, ireo Amonita, Edoma, ireo mpanjakan'i Zoba, ary ireo Filistina izy. Na taiza na taiza nitodihany, dia nampitondrany sazy izy ireo. 48 Niasa tamin-kerim-po lehibe izy ka nandresy ireo Amalekita. Namonjy ny Israely ho afaka tamin'ny tanan'ireo izay nandroba azy ireo izy. 49 Ireo zanaka lahin'i Saoly dia i Jonatana, Jisvy, ary Malkisoa. Ny anaran'ireo zanany roa vavy dia i Meraba, vavimatoa, ary Mikala, faravavy. 50 Ahinoama no anaran'ny vadin'i Saoly; zanaka vavin'i Ahimaza izy. Ny anaran'ny kapitenin'ny tafiny dia Abnera zanak'i Nera, rahalahin-drain'i Saoly. 51 Kisy no rain'i Saoly; ary Nera, rain'i Abnera, no zanaka lahin'i Abiela. 52 Nisy ady mafy teo amin'ireo Filistina tamin'ny andron'i Saoly rehetra. Rehefa nahita olona mahery, na olona mahery fo i Saoly, dia nalainy ho azy izy.
Manomboka ny fanafihany faharoa ao amin'ny tafiky ny Filistina i Jonatana.
tovolahy izay miandraikitra ny fikarakarana ny fitaovam-piadian'ny tompony
Toby iandraiketan'ny tafika Filistina io.
Anarana havoana mianavaratra an'i Jerosalema izany.
hazo izay matevina ny hoditry ny voankazony, ary boribory, mena, sady feno voany kely hohanina
"Migrona" dia anarana toerana mianavaratra an'i Jerosalema izany.
"lehilahy 600 teo no niaraka taminy"
"Ahitoba" sy "Ikaboda" dia anaran-dehilahy.
Iray tamin'ireo mpisorona i Finehasa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:3.
Ny "harambato" dia havoana feno kivatovato misy hantsana mitsotsorika. Fanta-daza io harambato io ary nomena ny anarana hoe "Bozeza."
Io no anaran'ilay harambato hafa.
Mikmasy dia anarana tanàna mianavaratra an'i Jerosalema.
"Geba" dia tanàna mianavaratra an'i Jerosalema.
Io dia tovolahy izay miandraikitra ny fikarakarana ny fitaovam-piadian'ny tompony. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 14:1.
fiteny manambany ampiasaina ilazana ny olona tsy Jiosy
"hiasa ho fanohanana antsika" na "hanampy antsika"
Io dia azo atao hoe DH: "Afaka mamonjy Yaveh"
Tafiditra ao amin'ireo fifanoherana ireo ihany koa izay rehetra antenantenany. DH: "izay mety ho isan'olona rehetra"
Eto ny "fo" dia ilazana ny fanirian'i Jonatana. DH: "ny zava-drehetra irianao hatao"
"tsy hiampita eny amin'ny ilan'ny lohasaha izay misy ireo Filistina"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny fahefana handresy azy ireo. DH: "hahatonga antsika handresy azy ireo"
"Hanamafy izany fa homba antsika ny Tompo"
"namela ireo miaramila Filistina hahatazana azy ireo"
ny tobin'ny tafika
Ny tian'ireo Filistina ho lazaina dia niafina tao anaty lavaka ambanin'ny tany tahaka ny biby ny Hebreo.
Io dia fomba fiteny izay midika hoe "hampianatra lesona anareo izahay."
Eto ny "tanana" dia ilazana ny fahefana handresy ny Filistina. DH: "hahatonga ny Israely handresy azy ireo"
Nataony izany satria nitsotsorika be teo. Azo atao mazava izany. DH: "Koa dia nihanika i Jonatana, nampiasa ny tanany sy ny tongony satria nitsotsorika be izany"
Io dia azo atao hoe DH: "Novonoin'i Jonatana ireo Filistina"
"nanaraka azy ny mpitondra ny fiadian'i Jonatana ary nahafaty miaramila Filistina koa"
Ny teny hoe "savoritaka" dia azo atao amin'ny endrika matoanteny hoe "natahotra mafy." DH: "Zary natahotra mafy ireo miaramila Filistina tao an-toby sy tany an-tsaha ary ny olona rehetra niaraka tamin'izy ireo"
ireo Filistina izay nanafika ireo tanàna Israelita
Mety hanampy betsaka ny filazana ny nahatonga izany. DH: "Nahatonga ny tany hihovitrovitra Andriamanitra"
Io no tanàna nahaterahan'i Saoly. Adikao araka ny ao amin'ny 10:26 ny hoe "Gibea."
Mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary manindry fa nandositra tany amin'ny lalana rehetra ireo miaramila.
Misy dikan-teny vitsivitsy no manao hoe "efoda" fa tsy "fiaran'Andriamanitra" eto.
"kotaba sy savorovoro"
Toa fomba fiteny izay midika hoe "Atsaharo ny ataonao" io. Tsy tian'i Saoly hanohy hampiasa ny fiara i Ahia mba hanontaniana ny torolalana avy amin'i Yaveh. DH: "Aza mitondra vata masina amin'izao fotoana izao"
ireo tafika Israelita sisa izay nijanona niaraka tamin'i Saoly
Ny sabatra dia resahina toy ny hoe olona miaina. DH: "Nifamely tamin'ny sabany ireo miaramila Filistina"
Tsy entina ilazana ny fanaovana otrika izany. Niafina ireo miaramila ireo satria natahotra an'ireo Filistina. Azo atao mazava izany. DH: "ireo miaramila Israelita izay natahotra ka niafina tany amin'ny havoana"
Toerana any Israely io. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:5.
Ny fahazoan'ny antoko dia tsy nisy famelombelomana azo natao tao ambanin'ny fianianan'i Saoly.
Nandositra nankany an'ala ireo miaramila Filistina ary narahin'ny Israelita tany.
Io dia filaza-masaka hanindriana ny haben'ny tantely nisy tany an'ala. DH: "nisy tantely be dia be teny rehetra teny"
Eto ny hoe "ny tanany tao am-bavany" dia fibangoan-teny ilazana ny fihinanana. DH: "tsy nisy nihinana"
Tsy natahotra ilay fianianana akory ny vahoana, fa ny famaizana izay nifandraika tamin'ny fandikana ilay fianianana. DH: "natahotra izay hataon'i Saoly amin'izy ireo ny vahoaka raha mandika izany fianianana izany izy ireo"
Nahalala ny amin'ny fianianan'ny rainy i Jonatana.
Eto ny fanerena hankatoa fianianana dia resahina toy ny hoe voafatotra amin'ny tady ny olona. DH: "nandidy ny hankatoavan'ny vahoaka ny fianianany"
Eto ny hoe "tanany teo am-bavany" dia fibangoan-teny ilazana ny fihinanana. DH: "Nihinana tantely kely izy"
Io dia fomba fiteny izay midika fa niha-nahery izy.
Io dia fibangoan-teny ilazana ny firenen'Israely. DH: "ny Israely"
Io dia fomba fiteny izay midika fa niha-nahery izy.DH: "nahazo hery aho"
Mampiasa ity fanontaniana petra-kevitra ity i Jonatana mba hilazana fa tokony ho navela nihinana ny olona. Azo atao fanambarana tsotra io. DH: "Ho tsara kokoa ny fandresentsika raha nihinana an-kalalahana tamin'izay voaroba nalain'izy ireo avy tamin'ny fahavalony ny olona androany."
Io teny io dia manondro ireo zavatra izay nalain'ny olona avy tany an'ady tamin'ny fahavalony.
Satria tsy afa-nihinana ny tarika nandritra ny ady, dia niha-nalemy izy ireo rehefa nandeha ny andro. Noho izany, dia tsy afaka namono betsaka tahaka ireo Filistina izy ireo.
Nitarika ny tafika hanota tamin'Andriamanitra tamin'ny hanoan'izy ireo ny tenin'i Jonatana.
Anaran-toerana ny hoe Mikmasy. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 13:1.
"Aialona" dia toerana ao Zebolona any Israely.
Manondro an'ireo Israelita io.
Noana loatra izy ireo hany ka tsy nampitsika ny rà mialohan'ny hihinanana. Fandikana ny lalàna izay nomena an'i Mosesy ho an'ny firenen'Israely izany. Io dia azo atao mazava. DH: "nihinana izany tsy nampitsika ny rà araka izay takian'ny lalàna aloha"
Fandikana ny lalàna izay nomena an'i Mosesy ho an'ny firenen'Israely izany. Io dia azo atao mazava. DH: "tamin'ny fihinanana hena tsy nampitsika ny rà araka izay takian'ny lalàna aloha"
Miampanga ny tafiny manontolo ho nanao izay tsy mahatoky i Saoly na dia tsy izy rehetra aza izany.
Ilay vato no hampihantona ilay biby ka hanamora ny fanatsihifana ny ràny.
Izany no ahafahan'i Saoly mizaha raha niala tsara tamin'ireo biby ny rà.
Nilaza tamin'ny vahoakany mba hitondra biby eo amin'ny vato lehibe iray i Saoly mba ho vonoina sy hohanina.
Tsy mazava raha natsangan'i Saoly tamin'ilay vato lehibe izay nentin'ny olona teo aminy tao amin'ny 14:33 ilay alitara.
Mitady hanohy hiady amin'ny Filistina i Saoly.
Entina anehoana ny famonoana io. Io dia azo ato hoe DH: "andeha ho vonointsika izy rehetra"
Nahazo ny fanohanan'ny tafiny mba hanohy ny ady i Saoly.
Eto ny hoe "hanatona an'Andriamanitra" dia mifandraika amin'ny fangatahana ny toroheviny. DH: "Andeha hanontaniantsika amin'Andriamanitra izay tokony hataontsika"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny hery handresena azy ireo. DH: "hampandresy antsika azy ireo"
Ny hevitra ambadik'izany dia hoe Andriamanitra tsy vonona ny hanampy an'i Saoly.
Manondro an'ireo Israelita io.
"tadiavo izay nanota"
Nilaza izany ho toe-javatra mbola petra-kevitra i Saoly satria tsy ninoany fa meloka i Jonatana.
Nangina ny olona satria fantatry ny ankamaroan'izy ireo fa nandika ny fianianan'i Saoly i Jonatana. DH: "Fantatry ny olony izay meloka, saingy tsy nisy nilaza na inona na inona tamin'i Saoly izy ireo" (UDB)
Filaza masaka io satria ny miaramila Israelita ihany no teo. DH: "Dia hoy izy tamin'ny miaramila Israelita izay teo"
Ny Israelita tamin'izany fotoana izany dia nampiasa vato manokana antsoina hoe Orima sy Tomima mba hahazoana toro-lalana avy amin'Andriamanitra. DH: "Asehoy amin'ny alalan'ny Tomima"
Io dia teny nindramina avy amin'ny fiteny nipoiran'ity.
Io dia azo atao hoe DH: "Nampiseho ny filokana fa na i Jonatana na i Saoly dia samy meloka, fa tsy meloka ny vahoaka"
Io dia azo ato hoe DH: "Dia nasehon'ny filokana fa meloka i Jonatana"
Vao nasehon'ny filokana fa nanota i Jonatana.
"Lazao amiko ny fomba nanotanao" na "Lazao amiko izay ratsy vitanao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "vonona ny ho faty aho" na 2) "mendrika ny ho faty nohon'ny amin'ny fanaovana izany ve aho?"
Nanao fianianana kidaladala iray fanindroany tao anatin'ny tsy ampy iray andro akory i Saoly. DH: "Ho vonoin'Andriamanitra anie aho raha tsy mamono anao, ry Jonatana"
Misolo vava sy miaro an'i Jonatana amin'i Saoly ny Tafika.
Mibedy an'i Saoly ny olona. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Vao nahavita izao fandresena lehibe izao i Jonatana. Tsy ho faty tokoa izy."
Maneho ny fahazoany antoka ny olona fa tsy hamela na inona na inona hanjo an'i Jonatana.
Io filaza-masaka io dia mampiseho ny hiarovan'ny vahoakan'Israely an'i Jonatana. Io fanalefahan-kevitra io dia azo atao hoe DH: "hiarao azy amin'ny ratsy rehetra izay"
Nandritra ny fotoana vetivety monja dia nanome herim-po be handresena ny fahavalon'Israely i Saoly.
fibangoan-teny ilazana ny vahoakan'Israely io. DH: "ny Israelita"
Manondro ny vahoakan'i Moaba io. DH: "ny Moabita"
Manondro ny vahoakan'i Edoma io. DH: "ny Edomita"
"Na taiza na taiza nandefasany ny tafiny"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny fifehezana. "niala tamin'ny fifehezan'ireo"
Ity no andinindininy momba ny fianakavian'i Saoly.
Anaran-dehilahy ireo.
Anaram-behivavy ireo.
Anaram-behivavy ireo.
Anaran-dehilahy ireo.
"fiainan'i Saoly rehetra"
"notereny hanatevin-daharana ny tafiny"
1 Hoy Samoela tamin'i Saoly: "Yaveh naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjaka eo amin'ny Israely olony. Ankehitriny dia henoy ny tenin'i Yaveh. 2 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: 'Efa tsinjoko ny nataon'i Amaleka tamin'ny vahoakan'Israely tamin'ny nanoherany azy ireo teny an-dalana, rehefa niakatra avy tany Egypta izy ireo. 3 Ankehitriny mandehana ka tafiho i Amaleka ary poteho tanteraka izay rehetra hananan'izy ireo. Aza miaro azy ireo, fa samy vonoy na ny lahy na ny vavy, ny ankizy sy ny zaza, ny omby sy ny ondry, ary ny rameva sy ny boriky."' 4 Nampiantso ny vahoaka i Samoela ary nanisa azy ireo tao amin'ny tanànan'i Telaima: lehilahy nandeha an-tongotra roa hetsy, ary lehilahin'i Joda iray alina. 5 Avy eo i Saoly dia tonga tany amin'ny tanànan'i Amaleka ary niandry tany an-dohasaha. 6 Dia hoy i Saoly tamin'ireo Kenita: "Mandehana, mialà, mivoaha avy eo amin'ireo Amalekita, mba tsy handringanako anareo miaraka amin'izy ireo. Fa nampiseho hatsaram-panahy tamin'ny Israely rehetra ianareo, fony tonga avy tany Egypta izy ireo." Noho izany dia niala teo amin'ireo Amalekita ireo Kenita. 7 Avy eo dia namely an'ireo Amalekita i Saoly, hatrany Havilaha ka hatrany Sora, izay any atsinanan'i Egypta. 8 Ary nataony sambo-belona i Agaga mpanjakan'i Amalekita; naringany tanteraka tamin'ny lelan-tsabatra ny vahoaka rehetra. 9 Fa niaro an'i Agaga, mbamin'ireo ondry, omby, ombivavy mifahy, ary zanak'ondry tsara indrindra i Saoly sy ireo olona. Ny zavatra rehetra izay tsara, dia tsy nopotehin'izy ireo. Fa nopotehin'izy ireo kosa ny zavatra rehetra izay namavoina sy tsy misy dikany. 10 Dia tonga tamin'i Samoela ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 11 "Nanenenako ny nanaovako an'i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin'ny fanarahana Ahy izy ary tsy nampihatra ny didiko." Tezitra i Samoela; nihiaka mafy tamin'i Yaveh izy nandritra ny alina tontolo. 12 Nifoha aloha i Samoela mba hihaona amin'i Saoly ny maraina. Nambara tamin'i Samoela hoe: "Tonga tany Karmela i Saoly ary nanangana tsangam-bato ho an'ny tenany, ary nitodi-doha ka nanohy nidina nankany Gilgala." 13 Dia tonga tany amin'i Saoly i Samoela, ary hoy Saoly taminy hoe: "Endrey voatahin'i Yaveh ianao! Tanterako ny didin'i Yaveh." 14 Hoy i Samoela hoe: "Inona izany fitrenan'ny ondry ao an-tsofiko izany, sy ny fitrenan'ny omby izay reko izany?" 15 Namaly i Saoly hoe: "Efa nentin'izy ireo avy amin'ireo Amalekita izany. Fa niaro ireo ondry sy omby tsara indrindra ireo olona, mba hanaovana sorona ho an'i Yaveh Andriamanitrao. Efa naringanay tanteraka ny sisa tavela." 16 Dia hoy i Samoela tamin'i Saoly hoe: "Andraso, dia ho lazaiko anao izay nambaran'i Yaveh tamiko tamin'ny alina." Dia hoy i Saoly taminy hoe: "Mitenena!" 17 Hoy i Samoela hoe: "Na dia kely eo imasonao ihany aza ianao, moa tsy natao ho lohan'ireo fokon'Israely ve ianao? Ary Yaveh nanosotra anao ho mpanjaka eo amin'Israely, 18 ary Yaveh naniraka anao tamin'ny lalanao nanao hoe: 'Mandehana ary haringano tanteraka ireo mpanota, ireo Amalekita, ary miadia amin'izy ireo ambara-paharingan'izy ireo.' 19 Nahoana ianao no tsy nankatoa ny feon'i Yaveh, fa naka ireo babo kosa ianao ary nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh?" 20 Dia hoy i Saoly tamin'i Samoela: "Nankatoa ny feon'i Yaveh tokoa aho, ary efa nandeha tamin'ny lalana izay nanirahan'i Yaveh ahy. Efa nosamboriko i Agaga, mpanjakan'ny Amaleka, ary efa naringako tanteraka ireo Amalekita. 21 Saingy naka ny sasany tamin'ireo babo—ondry sy omby, ny zavatra tsara indrindra natokana ho an'ny fandravana, mba hanaovana sorona ho an'i Yaveh Andriamanitrao any Gilgala ny olona." 22 Namaly i Samoela hoe: "Mankasitraka ny fanatitra dorana sy ny sorona tokoa ve Andriamanitra, tahaka ny amin'ny fankatoavana ny feon'i Yaveh? Tsara noho ny sorona ny fankatoavana, ary ny mihaino no tsara mihoatra ny tavin'ny ondry lahy. 23 Fa ny fikomiana dia tahaka ny fahotan'ny sikidy, ary ny fahamafisan-doha dia tahaka ny faharatsiana sy heloka. Satria efa nolavinao ny tenin'i Yaveh, dia nandà anao tsy ho mpanjaka ihany koa Izy." 24 Dia hoy i Saoly tamin'i Samoela hoe: "Efa nanota aho; satria nandika ny didin'i Yaveh sy ireo teninao, satria natahotra ny olona aho ary nankatoa ny feon'izy ireo. 25 Ankehitriny, mba mamelà re ny heloko, ary miverena miaraka amiko mba hanompoako an'i Yaveh." 26 Hoy i Samoela tamin'i Saoly hoe: "Tsy hiverina hiaraka aminao aho; satria nandà ny tenin'i Yaveh ianao, ary efa nandà anao tsy ho mpanjaka eo amin'ny Israely i Yaveh.' 27 Raha iny nitodi-doha hiala iny Samoela, dia nohazonin'i Saoly ny moron-tongotr'akanjony, ka nitriatra izany. 28 Hoy i Samoela taminy: "Efa nesorin'i Yaveh hiala aminao ny fanjakan'Israely androany ary efa nomeny ho an'ny namanao, izay tsara noho ianao. 29 Ary koa, ny Tanjak'Israely dia tsy handainga na hampiova ny heviny akory; fa tsy olona Izy, ka hiova hevitra." 30 Dia hoy i Saoly hoe: "Efa nanota aho. Saingy mba omeo voninahitra eo anatrehan'ireo loholon'ny vahoakako sy eo anatrehan'ny Israely re aho ankehitriny. Miaraha miverina amiko indray, mba hanompoako an'i Yaveh Andriamanitrao." 31 Koa niverina nanaraka an'i Saoly indray i Samoela, ary nanompo an'i Yaveh i Saoly. 32 Dia hoy i Samoela hoe: "Ento aty amiko etoana i Agaga mpanjakan'ireo Amalekita." Dia nankany aminy i Agaga mifatotra amin'ny gadra-vy ary nanao hoe: "Efa lasa tokoa ny fangidian'ny fahafatesana." 33 Namaly i Samoela hoe: "Araka ny nanaovan'ny sabatrao ireo vehivavy ho momba, dia ho momba toy izany koa ny reninao eo amin'ireo vehivavy." Dia nokapakapain'i Samoela teo anatrehan'i Yaveh tany Gilgala i Agaga. 34 Nankany Rama i Samoela, ary Saoly niakatra tany an-tranony tany Gibean'i Saoly. 35 Tsy nahita an'i Saoly i Samoela hatramin'ny andro nahafatesany, fa nalahelo mafy an'i Saoly izy. Ary nanenina i Yaveh ny amin'ny nanaovany an'i Saoly ho mpanjaka teo amin'ny Israely.
Manondro ny hafatra izay nolazain'i Yaveh io. DH: "ny hafatr'i Yaveh"
Mitovy hevitra ireo andian-teny roa ireo. Ny andian-teny faharoa dia manome antsipirihany manokana momba izay ho potehin'izy ireo tanteraka.
Manamafy ny fandravana tanteraka io fanambarana io.
"ny tafika"
tanàna atsimon'i Joda
"lehilahy nandeha an-tongotra 200.000, ary lehilahin'i Joda 10.000"
vondron'olona mpifindrafindra monina izay nifandray tsara tamin'ny firenen'Israely foana.
Anaran-toerana ireo.
Nasain'i Yaveh namotika ny zava-drehetra Yaveh, saingy eto dia tsy mankatoa ny didin'i Yaveh i Saoly.
"nobaboiny i Agaga"
Ny teny hoe "Lelan-tsabatra" eto dia fibangoan-teny ilazana ny tafiky ny firenen'Israely.
Tsy nankatoa an'Andriamanitra tamin'ny famelana an'i Agaga ho velona i Saoly.
Tsy nankatoa an'Andriamanitra tamin'ny fitazonana ny tsara indrindra tamin'ny biby fiompy i Saoly.
Io dia fomba fiteny izay midika fa niteny Yaveh. DH: "Nilaza ny teniny i Yaveh"
Eto ny "teny" dia ilazana ny hafatr'i Yaveh. DH: "ny hafatr'i Yaveh"
"malahelo aho"
Ny tsy fankatoavan'i Saoly an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe niala mivantana tamin'ny fandehanana taorian'Andriamanitra i Saoly. DH: "nitsahatra ny nanaraka Ahy izy"
"tsy nankatoa izay nandidiako hataony." Tokony hamotika tanteraka ny zavatra rehetra sy ny olon-drehetra i Saoly. Nasian'Andriamanitra fandarana teo amin'ireo Amalekita. Saingy navelan'i Saoly ho velona ny biby fiompy sasany.
Ireo mety ho heviny dia 1) Tezitra tamin'i Saoly nohon'ny tsy fankatoavany i Samoela na 2) Nikorontana i Samoela.
"Nisy nilaza tamin'i Samoela"
Feno fireharehana i Saoly.
Somary ambanimbany kokoa noho i Karmela i Gilgala.
Tsy mazava raha azon'i Saoly fa tsy nankatoa tanteraka ny didin'Andriamanitra mba hamotika tanteraka ny Amalekita izy.
Manontany i Samoela hoe nahoana i Saoly no tsy namotika tanteraka ny Amalekita tokoa.
Ireo no feo avoakan'ny biby. Mety manana fiteny samihafa ilazana izany ny fiteninao.
Mitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Eto ny hoe "ao an-tsofiko" dia ilazana ny fandrenesana.
Ny teny hoe "izy ireo" sy "ireo olona" eto dia samy manondro ny tafik'i Saoly. Manome tsiny ny olona fa tsy ny tenany i Saoly.
Miady hevitra i Saoly fa ny biby hatao sorona de esorina manokana ao amin'ny didin'ny yaveh mba hamotika ny zava-drehetra.
Eto i Saoly dia tsy mamaritra ny Andriamanitr'i Samoela ho Andriamaniny ihany.
Eto ny hoe "imasonao" dia maneho ny hevitra izay mifototra amin'ny hitany. DH: "amin'ny fihevitrao manokana"
Ampiasain'i Samoela io fanontaniana io mba hampatsiahivana an'i Saoly ny amin'ny halehiben'izay efa nomen'Andriamanitra azy. DH: "Nataon'i Yaveh mpanapaka ny fokon'Israely ianao!"
Mametraka io fanontaniana io i Samoela mba hibedesana an'i Samoela nohon'ny tsy fankatoavana an'i Yaveh. DH: "Tokony nankatoa ... Yaveh ianao!"
Eto ny "feo" dia ilazana ny didy izay nambaran'i Yaveh. DH: "ny zavatra izay nandidian'i Yaveh"
Ampangain'i Samoela nohon'ny tsy fankatoavana mivantana i Saoly. Nandidy an'i Saoly mba hamotika tanteraka ny zavatra rehetra izay an'ny Amalekita, ary mba tsy hitondra na inona na inona hiverina any an-toby Yaveh.
"ny fananana izay nalainareo tamin'ny fahavalo"
Eto ny hoe "imaso" dia ilazana ny fihevitra na eritreritr'i Yaveh. DH: "izay raisin'i Yaveh ho ratsy"
Tsy mazava raha nihevitra izany ho marina i Saoly, na nitady fialana tamin'ny fahotana fotsiny izy.
Eto ny "feo" dia ilazana ny didy izay ambaran'i Yaveh. DH: "ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh"
Io no anaran'ny mpanjakan'ny Amalekita.
Toa manilika ny tsiny ho amin'ny olona io.
"ny biby izay nodidian'Andriamanitra mba haringan'izy ireo"
Anaran-toerana io.
Mametraka io fanontaniana io i Samoela mba hanindriana fa manan-danja bebe kokoa ny fankatoavana noho ny sorona. Azo adika ho fanambarana tsotra io. DH: "tsy ankasitrahan'i Yaveh tahaka ny fankatoavana ny feony ny fanatitra dorana sy ny sorona!"
Eto ny "feo" dia ilazana ny didy izay nambaran'i Yaveh. DH: "ny zavatra izay nandidian'i Yaveh"
Nitady ny fankatoavan'i Saoly feno i Yaveh amin'ny famotehana ny Amalekita. Tsy nisy na inona na inona tao amin'ilay tany mety hatao sorona.
"tsara mihoatra ny fanaovana sorona ny tavin'ny ondry lahy hatao fanatitra dorana"
DH: "fahotana tahaka ny famosaviana ny fikomiana"
"fahotana tahaka ny fanompoan-tsampy ny fahamafisan-doha"
Eto ny "teny" dia ilazana ny didy izay nambaran'i Yaveh. DH: "nandà ny hanao izay nandidian'i Yaveh"
"nanapa-kevitra fa tsy ho mpanjaka intsony ianao"
Io dia fomba fiteny izay midika fa tsy nankatoa ny didy izy. DH: "tsy nankatoa izay nandidian'i Yaveh aho"
Izany no antony nomen'i Saoly ny amin'ny tsy fankatoavany an'Andriamanitra. DH: "satria natahotra ireo miaramila aho"
Eto ny "feo" dia ilazana izay nangatahin'ny miaramila hataon'i Saoly. DH: "nanao izay nangatahin'izy ireo"
Toa nifampiresaka mangingina lavitra ny olona i Saoly sy Samoela.
Nataon'i Samoela mazava fa azon'i Saoly hoe tsy nankatoa an'Andriamanitra izy tamin'izany fotoana izany rehefa niaro ny biby tsara indrindra ary tsy namono an'i Agaga.
Eto ny "teny" dia ilazana ny didy izay nambaran'i Yaveh. DH: "nandà ny hanao izay nandidian'i Yaveh"
Nanao izany i Saoly mba hiezaka ny hanakana an'i Samoela tsy handeha. Azo atao mazava io. DH: "Niezaka ny hanakana an'i Samoela tamin'ny fisamborana ny moron-tongotra'akanjony i Saoly"
"ny rambon-dambany"
Miverina mitodika amin'ny nandrovitan'i Saoly ny lamban'i Samoela ao amin'ny 15:2 io. Azo atao mazava izany. DH: "Araka ny nandrovitanao ny lambako, dia ho triarin'i Yaveh ihany koa ny fanjakan'Israely"
Efa nanapa-kevitra sahady Yaveh ny amin'izay ho mpanjaka handimby an'i Saoly.
Io fomba fiteny io dia manondro an'i Yaveh, izay manome hery ho an'ny Israelita. DH: "Yaveh, ilay tanjak'Israely"
Io dia entina hanindriana fa milaza ny marina Andriamanitra. DH: "hilaza ny marina mandrakariva ary hanao izay lazainy"
Ilazana ny eritreriny sy ny fanapahan-keviny izany. DH: "izay nanapahany hevitra hatao"
Io dia entina hanindriana fa azo itokiana Andriamanitra. DH: "Andriamanitra Izy, ary hanao izay lazainy fa hataony"
Mety ho niraharaha kokoa ny hahazo voninahitra avy amn'ny olona i Saoly noho ny fanompoana an'Andriamanitra marina.
Eto "Israely" dia manondro ny vahoakan'Israely. DH: "eo anatrehan'ny vahoakan'Israely sy ny loholona izay mitarika azy ireo"
Ny hevitra ambadik'izany dia niova hevitra i Samoela, ary niara-nandeha nankany amin'izay nisy ny vahoaka izy ireo. DH: "Koa nanaiky ny hanao izany ihany i Samoela ny farany, ary niara-niverina tany amin'izay nisy ny vahoaka izy ireo" (UDB)
"Nentin'izy ireo teo aminy i Agaga izay mbola nifatotra tamin'ny gadra-vy ary hoy Agaga hoe"
Toa midika ity fomba fiteny ity fa tsy nihevitra ny ho faty intsony i Agaga. DH: "Tsy tandindonin'ny fahafatesana intsony tokoa aho"
Samy mitovy hevitra ihany ireo andian-teny ireo ary mety noezahina hanana endrika kanto. DH: "Satria novonoinao ny olona, dia ho vonoina ihany koa ianao"
Fomba mihaja ilazana ny famonoana olona io. DH: "namono ny zanaky ny vehivavy hafa, dia ho vonoiko toy izany ihany koa ny zanaky ny reninao"
I Samoela no nahatanteraka ity asa izay nandidian'i Yaveh hataon'i Saoly ity. DH: "Dia nokapakapain'i Samoela tamin'ny sabany i Agaga"
Anaran-toerana ireo.
Somary ambony toerana kokoa noho i Gilgala izay niresahan'i Saoly sy Samoela i Gibea.
Mazava tsara ity fanambarana ity ary tokony hadika am-pitandremana. Maty talohan'i Saoly i Samoela ary tsy nahita an'i Saoly intsony tamin'ny fahavelomany. Na izany aza, mbola niseho tamin'i Saoly i Samoela ao amin'ny 28:11 taorian'ny nahafatesany.
1 Hoy Yaveh tamin'i Samoela hoe: "Mandra-pahoviana ianao no hisaona an'i Saoly, satriaka nolaviko tsy ho mpanjaka manerana ny Israely izy? Fenoy diloilo ny tandrokao ary mandehana. Hirahiko ho any amin'i Jese avy any Betlehema ianao, fa efa nisafidy mpanjaka ho ahy amin'ireo zanany lahy aho." 2 Hoy i Samoela hoe: "Ahoana no fomba andehanako? Raha mandre izany Saoly, dia ho vonoiny aho." Hoy Yaveh hoe: "Mitondrà ombivavy kely miaraka aminao ary lazao hoe: 'Tonga hanao sorona ho an'i Yaveh aho.' 3 Antsoy ho amin'ilay sorona i Jese, dia ho asehoko anao izay ho ataonao. Hanosotra ilay iray izay ho lazaiko anao ho Ahy ianao." 4 Nanao araka izay nolazain'i Yaveh i Samoela ary nandeha tany Betlehema. Nihorohoro ireo loholona teo amin'ilay tanàna rehefa tonga hihaona aminy izy ireo ary niteny hoe: "Tonga mba hihavana ve ianao?" 5 Hoy izy hoe: "Hihavana; tonga hanao sorona ho an'i Yaveh aho. Miomàna ianareo hanokana ny tenanareo ary miarahà amiko ho any amin'ny fanaovana sorona." Dia nanokana an'i Jese sy ireo zanany lahy izy ary nanasa azy ireo ho any amin'ilay fanaovana sorona. 6 Rehefa tonga izy ireo, dia nijery an'i Eliaba izy ary niteny tamin'ny tenany hoe nijoro nanoloana azy tokoa ilay voahosotr'i Yaveh. Saingy hoy i Yaveh tamin'i Samoela hoe: "Aza mijery ny endriny ivelany, na ny ahavon'ny tsanganany; satria efa nandà azy Aho. 7 Fa Yaveh dia tsy mijery toy ny fijerin'ny olombelona; ny olombelona mijery ny endrika ivelany, fa i Yaveh kosa mijery ny ao am-po." 8 Avy eo dia niantso an'i Abinadaba i Jese ary nampandalo azy teo anoloan'i Samoela. Dia hoy i Samoela hoe: "Tsy nifidy an'io iray io ihany koa Yaveh." 9 Avy eo dia nampandalo an'i Sama i Jese, saingy hoy i Samoela hoe: "Tsy nifidy an'io ihany koa Yaveh." 10 Nampandalovin'i Jese teo anoloan'i Samoela ny fito tamin'ireo zanany lahy. Dia hoy i Samoela tamin'i Jese hoe: "Tsy nifidy an'iza na iza tamin'ireo Yaveh." 11 Ary hoy i Samoela tamin'i Jese hoe: "Eto daholo ve ireo zanakao lahy rehetra?" Namaly izy hoe: "Mboa misy ilay zanako faralahy tavela, fa miandry ondry izy." Hoy i Samoela tamin'i Jese hoe: "Mandehana ary alaivo izy; satria tsy hipetraka isika mandra-pahatongany eto." 12 Nandeha i Jese ary nitondra azy niditra. Ary io tovolahy io dia mena volo sy baribary maso ary tsara endrika ivelany. Hoy Yaveh hoe: "Mitsangàna, hosory izy; fa io no izy." 13 Ary dia noraisin'i Samoela ny tandroka misy ny diloilo ary nosorany teo afovoan'ireo rahalahiny izy. Nirotsaka tamin'i Davida ny Fanahin'i Yaveh tamin'izany andro izany. Avy eo dia nitsangana i Samoela ary nandeha tany Rama. 14 Ary nandao an'i Saoly ny Fanahin'i Yaveh, ka nisy fanahy ratsy avy amin'i Yaveh nampihorohoro azy. 15 Hoy ireo mpanompon'i Saoly taminy hoe: "Indro, misy fanahy ratsy avy amin'Andriamanitra mampikorontana anao. 16 Aoka ary ny tomponay handidy ireo mpanomponao izay eo anoloanao mba hitady lehilahy iray izay feno traikefa amin'ny fitendrena lokanga. Ary rehefa eo aminao ny fanahy ratsy avy amin'Andriamanitra, dia hitendry izany izy ary ho tsara ianao." 17 Hoy i Saoly tamin'ireo mpanompony hoe: "Hitadiavo lehilahy izay afaka mitendry tsara aho ary ento aty amiko izy." 18 Dia namaly ny iray tamin'ireo tovolahy, ary nanao hoe: "Efa nahita ny zanaka lahin'i Jese ilay Betlehemita aho, izay tena mahay mitendry, matanjaka, lehilahy be herim-po, lehilahin'ady, mahay mandaha-teny, lehilahy tsara tarehy; ary momba azy Yaveh." 19 Koa dia nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Jese i Saoly, ary niteny hoe: "Alefaso amiko i Davida zanakao lahy, izay miaraka amin'ny ondry." 20 Naka boriky iray nitatitra mofo, divay iray siny, sy zanak'osy i Jese, ary nandefa azy ireo niaraka tamin'i Davida zanany lahy ho any amin'i Saoly. 21 Avy eo dia tonga teo amin'i Saoly i Davida ary nanomboka ny fanompoany. Tian'i Saoly loatra izy, ka lasa mpitondra ny fiadiany. 22 Naniraka an'i Jese i Saoly nanao hoe: "Aoka i Davida hijoro eto anoloako, satria nahita fitia teo imasoko izy." 23 Isaky ny teo amin'i Saoly ilay fanahy ratsy avy tamin'Andriamanitra, dia naka ny lokanga i Davida ary nitendry izany. Ka velombelona sy tony i Saoly, ary niala teo aminy ilay fanahy ratsy.
Ity fanontaniana fampisainana ity dia fibedesana avy amin'Andriamanitra ary azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Aoka izay ny falahelovana ny amin'ny fandavako an'i Saoly tsy ho mpanjaka eo amin'Israely"
Ny teny hoe "tandroka" indraindray dia ampiasaina hilasana "tavoara" izay miendrika tandroka ary nampiasaina hitondrana rano na menaka. Ny tavoara menaka dia nampiasaina hanosorana mpanjaka.
Mampiasa fanontaniana i Samoela mba hanindriana fa miahiahy ny amin'ny fandehanana any Betlehema izy. DH: "Tsy afaka mandeha aho!" na "Matahotra ny handeha aho."
Azonao ambara ny fampahafantarana izay azo eto. DH: "miaraka aminao ho any Betlehema ary lazao amin'ny olona any hoe"
Farango sosona anaty farango sosona io. Ny filazana mivantana dia azo atao tsy mivantana. DH: "ary lazao amin'ny oloa any fa tonga hanao sorona ho an'i yaveh ianao."
Toa mihovitrovitra ireo loholona satria niahiahy fa ho avy hibedy azy ireo i Samoela.
Azo atao fehezanteny feno io. DH: "Eny, tonga am-pihavanana aho"
Ny manokana olona iray dia midika fanomanana izany olona izany ho an'i Yaveh amin'ny fiezahana mba hampadio an'io olona io ara-pomba araka ny lalàn'i Mosesy.
Eto ny "izy ireo" dia manondro an'i Jese sy ireo zanany.
Eto ny "izy" dia manondro an'i Samoela.
Io no anaran'ny zanaka lahimatoan'i Jese.
Eto ny "azy" dia manondro an'i Yaveh.
Eto ny hoe "mijery" dia midika fizahan-toetra ny zavatra iray.
DH: "Fa Izaho, Yaveh, dia tsy mijery ... Izaho, Yaveh, dia mijery"
Eto ny "fo" dia maneho ny ao anatin'ny olona.
Ireo no anaran'ny zanak'i Jese.
"niteny azy mba ho any amin'i Samoela"
Hay fa nandalo teo amin'i Samoela i Sama. DH: "Avy eo dia nampandalovin'i Jese teo amin'i Samoela i Sama" na "Avy eo dia nasain'i Jese nandalo teo anoloan'i Samoela i Sama"
"Mbola misy an'ilay zandriny indrindra"
Hay fa niandry mba hipetraka ka hihinana izy ireo. DH: "tsy hipetraka hihinana isika"
Ny teny hoe "ary" dia ampiasaina eto mba hanamarihana fiatona eo amin'ny fandehan'ny tantara. Eto ny mpitantara dia milaza momba ny olona vaovao ao amin'ny tantara.
Ny teny hoe "mena volo" dia midika hoe matanjaka ny fijery an'i Davida.
Ny teny hoe "tandroka" indraindray dia ampiasaina hilasana "tavoara" izay miendrika tandroka ary nampiasaina hitondrana rano na menaka. Ny tavoara menaka dia nampiasaina hanosorana mpanjaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 16:1.
Ny hevitra ambadik'izany dia nitsanga izy ireo taorian'ny nipetrahany hihinana.
Ny andian-teny hoe "Nirotsaka tamin'i" dia midika fa nitarika an'i Davida ny Fanahin'i Yaveh. Amin'ity toe-javatra ity dia midika izany fa nahatonga an'i Davida ho afaka manatanteraka izay rehetra tian'i Yaveh hataony Izy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 10:5.
Ny hoe "Ary" eto dia ampiasaina mba hanamarihana fiatona eo amin'ny fizotry ny tantara. Eto ny mpanoratra dia manomboka milaza fizarana vaovao eo amin'ny tantara.
Mety ilazana "fanahy mahatonga loza" io.
Antsoin'ilay mpanompo hoe "tomponay" i Saoly. DH: "Mangataka izahay mba ianao, tomponay, no handidy"
DH: "didio izahay, mpanomponao izay manatrika anao, mba hitady"
"mampahory anao"
Ireo mety hoe heviny dia 1) "mpiady lehibe" na 2) "lehilahy tena mahery fo"
"olona hendry fiteny" na "olona izay miteny am-pahendrena"
Eto ny hoe "momba azy" dia midika fa manampy sy mitahy an'i Davida i Yaveh.
Eto ny hoe "tonga" dia azo adika hoe "nandeha."
Ny teny hoe "fanompoany" dia azo adika ho matoanteny. DH: "ary nanomboka nanompo azy"
"Lasa mpitondra ny fiadian'ny Saoly i Davida"
Eto ny hoe "hijoro eto anoloako" dia fomba fiteny izay midika fanohizana ny fanompoana an'i Saoly. DH: "Aoka i Davida hitoetra amin'ny fanompoana ahy"
Eto ny hoe "imasoko" dia maneho ny fomba fitsarana sy fizahan'i Saoly toetra an'i Davida. DH: "nahita fitia araka ny fitsarako izy" na "finaritra aminy aho"
Mety ilazana "fanahy mahatonga loza" io. Jereo ny nadikanao izany ao amin'ny 16:14.
"nampahory an'i Saoly"
Io dia azo atao hoe DH: "namelombelona sy nampitony an'i Saoly ilay mozika"
1 Ary ireo Filistina namory ireo tafik'izy ireo hiady. Niangona tao Soko, izay an'i Joda izy ireo. Nitoby teo anelanelan'i Soko sy Azeka, tao Efesa-damima izy ireo. 2 I Saoly sy ireo lehilahin'Israely dia niangona ary nitoby tao amin'ny Lohasahan'i Elaha, ary nandamina ny filaharan'izy ireo amin'ny ady mba hifanehitra amin'ireo Filistina. 3 Nitsangana teo ambony tendrombohitra teny am-pita ireo Filistina, ary ny Israely nitsangana teo ambony tendrombohitra teny am-pita ary lohasaha no nanelanelana azy ireo. 4 Lehilahy matanjaka iray no nivoaka avy tao amin'ny tobin'ireo Filistina, lehilahy iray antsoina hoe Goliata avy any Gata, izay enina hakiho ary zehy iray ny halavany. 5 Nanao satroka fiarovan-doha varahina teo amin'ny lohany izy, ary niakanjo fiarovan-tratra. Varahina dimy arivo sekely no lanjan'ilay akanjo. 6 Nanao fiarovan-dranjo varahina sy lefona varahina teo anelanelan'ny sorony izy. 7 Lehibe ny zaran-defony, miaraka amin'ny tady volomboloina fanipazana azy tahaka ny tady eo amin'ny vodi-tenon'ny mpanenona. Ny lohan'ny lefony dia vy milanja sekely eninjato. Nandeha teo alohany ny mpitondra ampingany. 8 Nitsangana izy ary nihiaka mafy tamin'ireo filaharan'ny Israely: "Nahoana ianareo no tonga hilahatra hiady? Moa tsy Filistina ve aho, ary ianareo mpanompon'i Saoly? Misafidiana lehilahy iray aminareo ary aoka izy hidina ety amiko. 9 Raha mahay miady amiko ary mahavono ahy izy, dia ho mpanomponareo izahay. Fa raha mandresy azy ary mahavono azy aho, dia ho mpanomponay ianareo ary hiasa ho anay." 10 Dia hoy indray ilay Filistina hoe: "Manao fanamby amin'ireo filaharan'Israely aho androany. Omeo lehilahy iray aho mba ho afaka hiara-hiady izahay." 11 Rehefa nandre izay nolazain'ilay Filistina i Saoly sy ny Israely rehetra dia kivy izy ireo, ary natahotra mafy. 12 Ary i Davida dia zanaka lahin'ilay Efratita avy any Betlehema ao Joda, i Jese no anarany. Nanan-janaka lahy valo izy. Jese dia efa lehilahy antitra tamin'ny andron'i Saoly, tena antitra tokoa teo amin'ireo lehilahy. 13 Ireo zokiny telo amin'ireo zanaka lahin'i Jese dia nanaraka an'i Saoly tany amin'ny ady. Ny anaran'ireo zanaka lahiny telo izay nankany amin'ny ady ireo dia i Eliaba no lahimatoa, faharoa manaraka azy i Abinadaba, ary i Sama no fahatelo. 14 Davida no zandriny indrindra. Ireo telo zokiny indrindra no nanaraka an'i Saoly. 15 Ary i Davida dia nandroso sy niverina teo amin'ny tafik'i Saoly sy ireo ondrin'ny rainy tao Betlehema, mba hamahana azy ireo. 16 Marain-tsy hariva nandritra ny efapolo andro ilay lehilahy Filistina matanjaka no tonga nanakaiky mba hanolotra ny tenany ho amin'ny ady. 17 Dia hoy i Jese tamin'i Davida zanany hoe: "Makà iray efaha amin'ity vary voaendy ity ary ireto mofo folo ireto ho an'ireo rahalahinao, ary ento haingana any amin'ny tobin'ireo rahalahinao ireto. 18 Ento any amin'ny kapitenin'ireo arivo ihany koa ireto fromazy folo ireto. Jereo hoe manao ahoana ireo rahalahinao ary mitondrà porofo miverina aty fa tsy maninona izy ireo. 19 Miaraka amin'i Saoly sy ireo lehilahin'Israely rehetra any amin'ny lohasahan'i Elaha, miady amin'ireo Filistina ireo rahalahinao." 20 Nifoha aloha i Davida ny maraina ary namela ireo andian'ondry aman'osiny nokarakarain'ny mpiandry ondry iray. Naka ireo fitaovana izy ary lasa, araka ny nandidian'i Jese azy. Tonga teo amin'ny toby izy raha iny nandeha nivoaka teo amin'ny sahan'ady mba hihiaka ady iny ny tafika. 21 Avy eo dia nilahatra hiady ny Israely sy ireo Filistina, tafika manohitra tafika. 22 Namela ireo fananany tamin'ny mpitàna ireo fitaovana izy, nihazakazaka nankany amin'ny tafika, ary nihaona tamin'ireo rahalahiny. 23 Raha iny niresaka tamin'izy ireo iny izy, ilay lehilahy matanjaka, ilay Filistina avy any Gata, antsoina amin'ny hoe: Goliata, dia nivoaka avy tao amin'ny laharan'ireo Filistina, ka niteny ireo teny izay efa nolazainy teo aloha, dia ren'i Davida izy ireo. 24 Rehefa nahita ilay lehilahy ireo olon'Israely rehetra, dia nandositra azy ary natahotra tokoa izy ireo. 25 Ireo lehilahin'Israely niteny hoe: "Hitanareo ve iny lehilahy miakatra iny? Tonga mba hihantsy ny Israely izy. Hanome harena be an'izay mamono azy ny mpanjaka, ary hanome azy ny zanany vavy ho vadiny izy, ary hanafaka ny ankohonan-drainy amin'ny fandoavan-ketra ao Israely." 26 Hoy i Davida tamin'ireo lehilahy izay nitsangana teo akaikiny: "Inona no hatao ho an'ilay lehilahy izay mamono ity Filistina ity sy hanala ny fahafaham-baraka amin'Israely? Iza ity Filistina tsy voafora ity no mihantsy an'ireo tafiky ny Andriamanitra velona?" 27 Dia naverin'ny olona izay efa nolazain'izy ireo ary nilaza taminy izy hoe: "Dia toy izany ihany no ho atao ho an'ilay lehilahy izay mamono azy." 28 Nandre azy niresaka tamin'ireo lehilahy i Eliaba zokiny lahimatoa. Dia nirehitra tamin'i Davida ny hatezeran'i Eliaba, ka hoy izy: "Nahoana ianao no midina ety?" Iza no namelànao an'ireo ondry vitsy any an-tany efitra? Fantatro ny avonavona sy ny sompatra ao anatin'ny fonao; fa tonga nidina tety ianao mba hahita ny ady." 29 Hoy i Davida: "Inona izao no nataoko? Moa tsy fanontaniana fotsiny ve izany?" 30 Niala teo aminy nankany amin'ny hafa izy, ary niteny toy izany ihany. Dia namaly toy ny teo aloha ihany ny olona. 31 Rehefa re ireo teny izay nolazain'i Davida, dia namerina izany tamin'i Saoly ireo miaramila, ary nampaniraka ho an'i Davida izy. 32 Avy eo dia hoy Davida tamin'i Saoly: "Aoka tsy hisy lehilahy ho ketraka noho io Filistina io ny fony; ny mpanomponao dia handeha ka hiady amin'io Filistina io." 33 Hoy i Saoly tamin'i Davida: "Tsy afaka handeha hanohitra io Filistina io ary hiady aminy ianao; satria mbola tanora ianao, ary izy dia lehilahin'ady nanomboka tamin'ny fahatanorany." 34 Fa hoy i Davida tamin'i Saoly: "Efa zatra niandry ny andian'ondrin'ny rainy ny mpanomponao. Rehefa tonga sy maka zanak'ondry amin'ny andian'ondry ny liona na bera, 35 dia nanenjika izany sy namely izany aho, ary nanavotra izany avy tao amin'ny vavany. Rehefa nitsangana hanohitra ahy izy, dia tratrako tamin'ny volombavany, nasiko izy, ary matiko. 36 Nahavono liona sy bera ny mpanomponao. Ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny iray amin'ireo, satria nihantsy ireo tafiky ny Andriamanitra velona izy." 37 Hoy i Davida: "Nanavotra ahy tamin'ny tongotry ny liona sy ny tongotry ny bera i Yaveh. Hanavotra ahy amin'ny tanan'io Filistina io Izy." Dia hoy i Saoly tamin'i Davida: "Mandehana, ka homba anao anie i Yaveh." 38 Nampiakanjoan'i Saoly tamin'ny akanjo fiadiany i Davida. Napetrany teo amin'ny lohany ny satroka fiarovan-doha varahina, ary nampiakanjoany akanjo fiarovan-tratra izy. 39 Namehy ny sabany tamin'ny akanjo fiadiany i Davida. Fa tsy afaka namindra izy, satria mbola tsy nofanina tamin'ireny. Dia hoy i Davida tamin'i Saoly: "Tsy afaka hivoaka hiady miaraka amin'itony aho, satria mbola tsy nofanina tamin'ireto." Koa nalan'i Davida ireo. 40 Nalainy teny an-tanany ny tehiny ary nifantina vato malama dimy avy tao amin'ny lohasahan-driaka izy; ary napetrany tao amin'ny kitapony fiandrasany ondry ireo. Teny an-tanany ny antsamotadiny rehefa nanatona ilay Filistina izy. 41 Tonga ary nanatona an'i Davida ilay Filistina, ary teo alohany ny mpitondra ny ampingany. 42 Rehefa nijery ny manodidina ka nahita an'i Davida ilay Filistina, dia nanao tsinontsinona azy, satria mbola zaza izy, mena volo, ary tsara endrika. 43 Dia hoy ilay Filistina tamin'i Davida: "Alika ve aho, no tonga miaraka amin'ny hazo eto amiko ianao?," ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina. 44 Hoy ilay Filistina tamin'i Davida: "Mankanesa eto amiko, dia homeko ho an'ireo vorona eny an-danitra sy ho an'ireo bibidia any an-tsaha ny nofonao." 45 Namaly ilay Filistina i Davida hoe: "Tonga eto amiko miaraka amin'ny sabatra, ary lefona ianao. Fa izaho tonga eo aminao amin'ny anaran'i Yaveh tompon'ny maro, ilay Andriamanitry ny tafik'Israely, izay nihantsinao. 46 Anio dia hanome ahy ny fandresena anao i Yaveh, ka hamono anao aho ary hanala ny lohanao amin'ny vatanao. Anio dia hanome ny fatin'ny tafik'ilay Filistina ho an'ireo vorona eny an-danitra sy ho an'ireo bibidia ety an-tany aho, mba hahafantaran'ny tany rehetra fa misy Andriamanitra ao Israely, 47 ary hahafantaran'ireo vory rehetra ireo fa i Yaveh dia tsy manome fandresena amin'ny sabatra na lefona. Fa an'i Yaveh ny ady, ka hanolotra anareo eo an-tananay Izy." 48 Rehefa nitsangana sy nanatona an'i Davida ilay Filistina, dia nihazakazaka haingana nankeny amin'ny tafika fahavalo i Davida mba hitsena azy. 49 Nampidiriny tao anatin'ny kitapony ny tanany, naka vato avy tao izy, nalefany tamin'ny antsamotady izany, ka nahavoa an'ilay Filistina teo amin'ny handrina. Nilentika tao amin'ny handrin'ilay Filistina ny vato, ka nidaraboka tamin'ny tavany teo amin'ny tany izy. 50 Resin'i Davida tamin'ny antsamotady sy vato ilay Filistina. Voany ilay Filistina ka matiny. Tsy nisy sabatra teny an-tanan'i Davida. 51 Avy eo dia nihazakazaka i Davida ka nitsangana teo ambonin'ilay Filistina sy naka ny sabany, namoaka izany avy tao amin'ny tranony, namono azy, ary nanapaka ny lohany tamin'izany. Rehefa hitan'ireo Filistina fa maty ilay lehilahy matanjak'izy ireo, dia nandositra izy ireo. 52 Avy eo dia nitsangana sady nihiaka ireo lehilahin'Israely sy Joda, ary nanenjika ireo Filistina hatrany amin'ny lohasaha sy ireo vavahadin'i Ekrona. Ireo Filistina maty dia nandry teo amin'ny lalana mankany Saraima, sy ny lalana rehetra mankany Gata ary Ekrona. 53 Niverina avy tamin'ny fanenjehana ireo Filistina ny olon'Israely, ary nandroba ny tobin'izy ireo. 54 Nalain'i Davida ny lohan'ilay Filistina ary nentiny tany Jerosalema izany, fa ny akanjo fiadiany dia napetrany tao amin'ny lainy. 55 Rehefa nahita an'i Davida nivoaka nanohitra an'ilay Filistina i Saoly, dia hoy izy tamin'i Abnera, kapitenin'ny tafika: "Ry Abnera, zanak'iza io tovolahy io?" Dia hoy i Abnera: "Raha mbola velona koa ianao, ry mpanjaka, dia tsy fantatro" 56 Ny mpanjaka niteny hoe: "Anontanio ireo izay mety mahafantatra, hoe zanak'iza io zazalahy io." 57 Rehefa niverina avy tany amin'ny famonoana ilay Filistina i Davida, dia naka azy i Abnera, ary nitondra azy teo anatrehan'i Saoly niaraka tamin'ny lohan'ilay Filistina teny an-tanany. 58 Hoy i Saoly taminy: "Zanak'iza ianao, ry tovolahy?" Namaly i Davida hoe: "Zanak'i Jese Betlehemita mpanomponao aho."
Anaran-toerana io.
Ny hakiho dia mari-pandrefesana sahala amin'ny eo ho eo amin'ny 46 santimetatra. Ny zehy dia mari-pandrefesana sahala amin'ny 23 santimetatra eo ho eo. DH: "telo metatra eo ho eo"
Ny "fiarovan-tratra" dia ampahany amin'ny akanjo fiarovana izay rakotra vy fiarovana. Io dia azo adika hoe DH: "nirao-tena tamin'ny fanaovana fiaraovan-tratra izy" na "nanao akanjo fiarovan-tratra izy"
Ny sekely dia mari-pandanjana sahala amin'ny 11 grama eo ho eo. DH: "55 kilao eo ho eo"
"ilay fihazonana ny lefona"
"tady nafatotra ho boribory"
"Ny tendron'ny lefony"
Ny sekely dia mari-pandanjana sahala amin'ny 11 grama eo ho eo. DH: "7 kilao eo ho eo"
"Nahoana ianareo no tonga hiady aminay?" Nampiasa io fanontaniana io i Goliata mba hanesoana ireo Israelita. DH: "Adala ianareo raha mihevitra fa afaka miady aminay!"
Nampiasa io fanontaniana io i Goliata mba hanesoana ireo Israelita. Rehefa milaza izy hoe Filistina, dia mehery izy no hevitra mabadik'izany. DH: "Filistina lehibe aho, ary ianareo dia manompon'i Saoly fotsiny."
"Mihantsy ny tafik'Israely aho"
Manondro ireo miaramila Israelita izay teo io.
Ny teny hoe "Kisy" sy "natahotra mafy" dia mitovitovy hevitra ihany ary manamafy ny halehiben'ny tahotr'izy ireo.
Ny hoe ïzy"dia manondro aní Jesse.
Mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary ampiarahina mba ho fanamafisana.
"Aminadaba ilay teraka faharoa, ary Sama ilay teraka fahatelo." Maneho ny filaharan'ny nahaterahana io andian-teny io.
Ny fampahafantarana ambadik'izany dia ireo ilay zanak'i Jese. DH: "Ireo zanak'i Jese telo zokiny indrindra"
"nandritra ny 40 andro"
"hampiseho fa vonona ny hiady izy ireo"
Ny efaha iray dia mari-pandrefesana sahala amin'ny 22 litatra eo ho eo.
"ny kapitenin'ny andia-miaramila arivo." Nizara vondron'olona arivo avy ny tafika, ary ny tsirairay amin'ireo vondrona ireo dia nanana kapiteny nitarika azy.
"Jereo ary fantaro hoe manao ahoana ireo rahalahinao"
"ireo miaramilan'Israely rehetra"
Anaran-toerana io. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 17:2.
"izay Goliata no anarany"
"nandroso avy teo amin'ny filaharan'adin'ny Filistina"
Nilaza izany ireo miaramila mba hisarika ny sain'ny tsirairay ho amin'ilay lehilahy atao hoe Goliata. DH: "Jereo io lehilahy niakatra io!"
Manondro ny mpanjakan'Israely io. DH: "ny mpanjakanay"
Manondro ny zanaka vavin'ny mpanjaka io.
Ny mpisolotena tampisaka "-ny" dia manondro ilay lehilahy izay hamono an'i Goliata.
Ny teny hoe "ankohonana" dia ilazana ny tokantrano na fianakaviana. DH: "tsy hitaky fandoavan-ketra amin'ny fianakaviany intsony"
Azo ambara amin'ny matoanteny "afa-baraka" io. DH: "hampitsahatra ny Israely tsy ho afa-baraka" na "hampitsahatra azy amin'ny fanalam-baraka ny Israely"
Nilaza izany Davida mba hampisehoana ny hatezerany fa nihantsy ny tafik'Andriamanitra io Filistina io. DH: "Tsy manam-pahefana tokoa ity Filistina tsy voafora ity ka handeha hihantsy ny tafiky ny Andriamanitra velona!"
Fanevatevana io andian-teny io ary mampiseho fa tsy an'ny Andriamanitra velona i Goliata.
Eto ny fahatezerana dia resahina toy ny hoe afo izay azo ampirehetina. DH: "Zary tezitra tamin'i Davida i Eliaba"
Ampiasain'i Eliaba io fanontaniana io mba hampisehoana fa tezitra amin'ny fidinan'i Davida izy. Mety nisy hevitra ambadika izany fa tsy nanana antony tsara tokony hahatongavana i Davida. DH: "Tsy manana antony tsara tokony hankanesanao aty ianao"
Ampiasain'i Eliaba io fanontaniana io mba hanevatevana an'i Davida amin'ny fampisehoana ny asany ho toa tsy manan-danja sy amin'ny fiampangana azy ho tsy nikarakara ny ondrin-drainy. DH: "Miandry ondry vitsivitsy any an'efitra fotsiny no mba andraikitrao. Tsy vitanao akory izany andraikitra tsotra izany!"
Mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary ampiarahina ho fanamafisana.
Ampiasain'i Davida ireo fanontaniana ireo mba hanehoana ny fahakiviany sy hiarovany teny. DH: "Tsy nanao na inona na inona izay tsy mety aho. Nametraka fanontaniana fotsiny aho!"
Ny hoe "izy" dia manondro an'i Davida ary ny teny hoe "aminy" dia manondro an'i Eliaba.
Io dia azo ato hoe DH: "Rehefa nandre izay nolazain'i Davida ireo miaramila"
Ny fo ketraka dia maneho ny fihorohoroana sy ny fanarian-toky. DH: "Aoka tsy hisy ho raiki-tahotra'' na "Aoka tsy hisy harary toky"
Nilaza ny tenany hoe "mpanomponao" i davida mba hanehoana fanajana an'i Saoly. DH: "Izaho, mpanomponao, dia handeha''
Nilaza ny tenany hoe "mpanomponao" i davida mba hanehoana fanajana an'i Saoly. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 17:31. DH: "Izaho, mpanomponao, dia efa zatra niandry ny ondrin-draiko"
"zatra nikarakara ny ondrin-drainy"
Ny bera dia biby goavana misy volo matevina sy hoho maranitra ary mandeha tongotra efatra kanefa afaka mitsangana amin'ny tongotra roa tahaka ny ataon'ny olona.
Eto ny hoe "izany" dia ilazana ny liona na ny bera.
Eto ny hoe "izany" dia manondro ny zanak'ondry.
Eto ny hoe "nitsangana hanohitra" dia fomba fiteny ilazana ny famelezana. DH: 'namely ahy izany"
Ny "volombava" dia manondro volon'ny liona na ny volo eo amin'ny vavan'ny bera.
Manohy miresaka amin'i Saoly i Davida.
Fanevatevana io andian-teny io ary mampiseho fa tsy an'ny Andriamanitra velona i Goliata. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 17:26.
Milaza i Davida fa ho afaka ny hamono ny ilay Filistina tahaka ny nahafahany namono ny liona sy ny bera.
Mampiasa ny tongony ny liona sy ny bera rehefa mamely, koa ny teny hoe "tongony" dia maneho famelezana. DH: "tamin'ny famelezan'ny liona sy ny famelezan'ny bera" na "tamin'ny liona sy ny bera"
Ny tanan'ny Filistina dia maneho ny heriny amin'ny ady. DH: "mny herin'io Filistina io" na "ny Filistina"
Ampahany amin'ny akanjo fiarovana afaka ahetsiketsika ary feno vy fiarovana.
"ny sabatr'i Saoly tamin'ny akanjo fiadiana"
Eto ny mpisolotena tampisaka "-ny" dia manondro an'i Davida.
Ny antsamotady dia fiadiana natao hanipazana vato.
"ary nandeha teo anoloany ny mpitondra ampingany"
"halany izy"
"matanjaka"
Eto ny alika dia maneho izay afaka vonoin'ny olona mora foana. Ny teny hoe "tehina" dia ilazana ny tehin'i Davida ary maneho ny fihevitr'i Goliata fa tsy fiadiana tsara izany. Mampiasa io fanontaniana io i Goliata mba hiampangana an'i Davida ho nanambany azy. DH: "Ambanianao amin'ny fankanesana eto amiko miaraka amin'ny tehina monja tahaka ny hoe alika aho!"
Ny famonoana an'i Davida sy ny famelana ny fatiny eo amin'ny tany hohanin'ny biby dia resahin'i Goliata toy ny hoe izy no hanome ny fatin'i Davida ho an'ny biby. DH: "Ho vonoiko ianao, ary hihinana ny fatinao ny voron'ny lanitra sy ny bibidia any an-tsaha"
"voron'ny habakabaka" na "vorona"
"bibidia"
Eto ny hoe "anarana" dia maneho ny hery na ny fahefan'Andriamanitra. DH: "amin'ny herin'i Yaveh" na "amin'ny fahefan'i Yaveh"
"izay notevatevainao"
Manohy miresaka amin'ny Goliata i Davida.
Ny fitondrana ny Israelita hamono ny Filistina sy famelana ny fatin'izy ireo eo amin'ny tany hohanin'ny biby dia resahin'i Davita toy ny hoe izy no hanome ny fatin'izy ireo ho an'ny biby. DH: "Izahay Israely no hamono ny tafiky ny Filsitina, ary ny voron'ny lanitra sy ny bibidian'ny tany no hihinana azy ireo"
Ny teny hoe "tany" dia ilazana ny olona ety ambony tany. DH: "mba ho fantatry ny olon-drehetra ety ambony tany"
Ny sabatra sy ny lefona dia ohatra maneho fitaovam-piadiana. Maneho ny fomba fiadin'ny olona io. DH: "Ny fandresena izay omen'i Yaveh dia tsy miankina amin'ny sabatra na lefona" na "rehefa manome fandresena i Yaveh, dia tsy miankina amin'ny fomba fiandiantsika Izy"
Ny fandresena ny ady dia resahina toy ny hoe fananana ny ady. DH: "Mandresy ny ady mandrakariva Yaveh" na "an'i Yaveh ny fandresena"
Ny fanolorana ny Filistina ho eo an-tanan'ny Israely dia maneho ny fanampiana an'Israely handresy ny Filistina an'ady. DH: "Izy no hanampy anay handresy anareo"
Ny andininy faha 50 dia famintinana ny fandresena mahagagan'i Davida an'i Goliata. Ny antsipirihany tamin'ny namelezany sy namonoany an'i Goliata dia ao amin'ny 17:48 sy 17:51. Ny fiteny sasany dia tsy mampiasa famintinana tahaka ity. Amin'izany toe-javatra izany, dia afaka mamerina mandrafitra ireo andininy tahaka ny ao amin'ny UDB ny mpandika teny.
Nanao izany i Davida taorian'ny nahalavoan'i Goliata teo amin'ny tany tao amin'ny 17:48.
"naka ny sabatr'ilay Filistina." Eto ny mpisolotena tampisaka "-ny" dia manondro an'i Goliata.
Azo atao mazava tsara fa namono ireo Filistina ny Israelita teo am-panenjehana azy ireo. DH: "Ary novonoin'izy ireo teo am-panenjehana azy ireo Filistina, ary niampatra teny amin'ny lalana mankany Saraima ny fatin'ireo Filistina"
"norobain'ny Israelita ny tobin'ny Filistina"
"nataony tao an-dainy ihany ny akanjo fiadian'i Goliata"
Efa niseho talohan'ny namonoan'i Davida an;i Goliata ny resaka ao amin'ny 17:55-56. DH: "Rehefa nahita an'i Davida i Saoly" na "Taloha kelin'ny nahitan'i Saoly an'i Davida"
"nandeha niady tamin'ilay Filistina"
"iza no rain'io tovolahy io"
Fomba fianianana fa marina izay ho lazainy io.
"iza no rain'io zazalahy io"
Eto ny mpisolotena tampisaka "-ny" dia manondro an'i Davida.
"Iza no rainao"
"Jese, ilay Betlehemita no raiko"
Nataon'i Davida hoe "mpanomponao" ny rainy mba hanehoana fa nahatoky tamin'i Saoly Mpanjaka i Saoly.
1 Rehefa avy niresaka tamin'i Saoly izy, dia nifamatotra tamin'ny fanahin'i Davida ny fanahin'i Jonatana, ary notiavian'i Jonatana tahaka ny fanahiny ihany izy. 2 Nalain'i Saoly ho amin'ny fanompoana azy i Davida tamin'io andro io; tsy navelany hiverina any an-tranon-drainy izy. 3 Avy eo Jonatana sy Davida nanao faneken-pinamanana satria notiavin'i Jonatana tahaka ny fanahiny ihany izy. 4 Nanala ny akanjo lava izay nanaovany i Jonatana ary nanome izany an'i Davida niaraka taminy fiarovany, sy ny sabany, ny tsipìka, ary fehin-kibo. 5 Dia nandeha tany amin'izay toerana nanirahan'i Saoly azy i Davida, ary nahomby izy. Nametraka azy teo amin'ireo lehilahin'ady i Saoly. Nankasitrahana teo imason'ny vahoaka rehetra izany ary teo imason'ireo mpanompon'i Saoly ihany koa. 6 Raha nandeha nody avy nandresy ireo Filistina izy ireo, dia tonga avy tamin'ireo tanànan'Israely rehetra ireo vehivavy, nihira sy nandihy, mba hitsena an'i Saoly mpanjaka, niaraka tamin'ny amponga tapaka, hafaliana, ary zava-maneno. 7 Nifandimby nihira ireo vehivavy raha nilalao izy ireo. Nihira izy ireo hoe: "Novonoin'i Saoly ireo an'arivony, ary Davida kosa ireo an'aliny." 8 Tezitra mafy i Saoly, ary tsy nahafaly azy izany hira izany. Hoy izy hoe: "Efa nanome an'alina ho an'i Davida izy ireo, nefa an'arivony ihany no nomen'izy ireo ho ahy. Inona ihany koa no afaka hananany afa-tsy ny fitondram-panjakana?" 9 Nijery an'i Davida tam-piahiahiana i Saoly nanomboka tamin'io andro io. 10 Ny andro manaraka dia nisy fanahy mampidi-doza avy amin'Andriamanitra nidina teo amin'i Saoly ary nirediredy tao an-trano izy. Noho izany dia nilalao ny zava-manenony tahaka ny ataony isan'andro i Davida. Ary nanana lefona teny an-tanany i Saoly. 11 Natsipin'i Saoly ilay lefona, satria nieritreritra izy hoe: "Ho tsindroniko ho eo amin'ny rindrina i Davida." Kanefa indroa tafala ny fanatrehan'i Saoly tamin'izany fomba izany i Davida. 12 Natahotra an'i Davida i Saoly, satria nomba azy Yaveh, fa tsy nomba an'i Saoly intsony. 13 Koa nesorin'i Saoly teo amin'ny fanatrehany izy ary notendreny ho mpifehy ny arivo. Izany no fomba nivoahan'i Davida sy nankanesany teo anoloan'ny vahoaka. 14 Nambinina tamin'ny lalany rehetra i Davida, satria nomba azy Yaveh. 15 Rehefa hitan'i Saoly fa nambinina izy, dia talanjona taminy izy. 16 Fa tia an'i Davida ny Israely sy Joda rehetra, satria nivoaka izy ary nankeo anoloan'izy ireo. 17 Ary hoy i Saoly tamin'i Davida hoe: "Inty i Meraba zanako vavy zokiny indrindra. Homeko anao ho vady izy. Fa manàna herim-po ho ahy ary miadia ny adin'i Yaveh." Fa nieritreritra Saoly hoe: "Aza avela eo aminy tanako, fa aoka ny tanan'ireo Filistina no ho eo aminy." 18 Hoy i Davida tamin'i Saoly hoe: "Iza moa aho, ary iza moa ireo havako, na ny fianakavian'ny raiko any Israely, no tokony ho vinanto lahin'ny mpanjaka aho?" 19 Fa tamin'ny fotoana tokony nanomezana an'i Meraba, zanaka vavin'i Saoly ho an'i Davida, dia nomena an'i Adriela Meholatita ho vady izy. 20 Kanefa i Mikala, zanaka vavin'i Saoly, dia tia an'i Davida. Niteny tamin'i Saoly izy ireo, ary nahafaly azy izany. 21 Avy eo i Saoly nieritreritra hoe: "Homeko azy izy, mba ho fandrika ho azy, ary mba hanohitra azy ny tanan'ireo Filistina." Ka niteny fanindroany an'i Davida indray i Saoly hoe: "Ho vinanto lahiko ianao." 22 Nandidy ireo mpanompony i Saoly hoe: "Miresaha manokana amin'i Davida, ary lazao hoe: 'Indro, mankasitraka anao ny mpanjaka, ary tia anao ireo mpanompony rehetra. Koa ankehitriny, meteza ho vinanto lahin'ny mpanjaka.'" 23 Koa nilaza ireo teny ireo tamin'i Davida ireo mpanompon'i Saoly. Avy eo Davida nilaza hoe: "Zavatra kely ho anao ve ny ho vinanton'ny mpanjaka, satria olona mahantra aho, ary atao tsinontsinona?" 24 Nitatitra taminy ireo teny izay nolazain'i Davida ireo mpanompon'i Saoly. 25 Ary hoy i Saoly hoe: "Lazao an'i Davida izao: 'Tsy maniry vodiondry ny mpanjaka, fa lohan-tsitsy zaton'ireo Filistina ihany, mba hamaliana faty ireo fahavalon'ny mpanjaka."' Ary Saoly nieritreritra ny handavo an'i Davida tamin'ny tanan'ireo Filistina. 26 Rehefa nilaza ireo teny ireo tamin'i Davida ireo ny mpanompony, dia nahafaly an'i Davida ny ho vinanton'ny mpanjaka. 27 Talohan'ny nahadila an'ireo andro ireo, dia nandeha niaraka tamin'ireo olony Davida ary namono Filistina roan-jato. Nentin'i Davida ny lohan-tsitsin'izy ireo, ary nomen'izy ireo ho an'ny mpanjaka avokoa ireo, mba ho lasa vinanton'ny mpanjaka izy. Koa nomen'i Saoly azy ho vady i Mikala zanany vavy. 28 Rehefa hitan'i Saoly, sy fantany fa nomba an'i Davida i Yaveh, ary Mikala zanaka vavin'i Saoly, dia tia azy, 29 dia natahotra mafy kokoa an'i Davida i Saoly. Ary fahavalon'i Davida hatrany i Saoly. 30 Avy eo ireo andrian-dahin'ireo Filistina nivoaka hiady, ary arakaraky ny nivoahan'izy ireo matetika, no nahombiazan'i Davida bebe kokoa noho ireo mpanompon'i Saoly rehetra, koa dia nisandratra avo ny anarany.
Ny fisakaizana akaiky dia resahina toy ny hoe mamatotra ny fanahin'ny olona roa. Io dia azo atao hoe DH: "Nahatsapa fitiavana lehibe ho an'i Davida i Jonatana" na "Nanolo-tena tamin'i Davida i Jonatana"
Eto ny hoe "notiavina" dia ilazana ny fitiavana eo amin'ny mpinamana fa tsy ilay fitiavan'olon-droa. Ny "fanahy" dia maneho ny ain'ny olona iray. DH: "Tian'i Jonatana tahaka ny nitiavany ny tenany i Davida" na "tian'i Jonatana tahakana ny ainy ihany i Davida"
Eto ny hoe "notiavina" dia ilazana ny fitiavana eo amin'ny mpinamana fa tsy ilay fitiavan'olon-droa. Ny "fanahy" dia maneho ny ain'ny olona iray. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 18:1. DH: "Tian'i Jonatana tahaka ny nitiavany ny tenany i Davida" na "tian'i Jonatana tahakana ny ainy ihany i Davida"
"ary nambinina izy"
Ny hevitry ny olona dia resahina toy ny hoe zavatra izay hitany ho tsara na ratsy. DH: "Nahafinaritra araka ny hevitry ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon'i Saoly izany" na "Nahafinaritra ny olon-drehetra sy ny mpanompon'i Saoly izany"
Io dia filaza-masaka mba hanindriana ny habetsaky ny vehivavy izay tonga. DH: "avy any amin'ny tanàna maro manerana an'Israely"
"nively aponga tapaka sy zava-maneno hafa tamin-karavoana"
Ny "amponga tapaka" dia amponga kely azo lanjaina amin'ny tanana.
Azo ampiana avy ao amin'ny andalan-teny teo aloha ny matoanteny. DH: "namono ireo an'aliny i Davida"
Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Ny hany zavatra tokony ho azony dia ny fitondram-panjakana."
Eto ny "fanahy mampidi-doza" dia mety ilazana ny "fanahy izay mitondra fahoriana" na "fanahy ratsy." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 16:14.
Ny andian-teny hoe "nidina teo amin'ny" dia midika fa nitarika an'i Saoly ilay fanahy mampidi-doza. Amin'ity toe-javatra ity izany dia midika fa nahatonga an'ny Saoly hikorontana sy hanao toy ny adala izany. Jereo ny nandikanao ny andian-teny mitovy amin'izany ao amin'ny 10:5.
"ary nanao toy ny adala izy"
"Nomba an'i Davida i Yaveh"
"Koa dia nesorin'i Saoly teo amin'ny fanatrehany i Davida"
Azo aseho amin'ny endrika tarehimarika io. DH: "1.000 lahy"
Eto "ny vahoaka" dia manondro ireo miaramila teo ambany fibaikoan'i Davida. Ny andian-teny hoe "nivoahana" sy "nankanesany" dia fomba fiteny izay maneho ny fitarihana ny olona ho any an'ady ary fitarihana azy ireo hody avy any an'ady. DH: "Nitondra ireo miaramilany ho any an'ady i Davida ary nitondra azy ireo nody avy any an'ady"
Eto ny hoe "talanjona" dia fomba fiteny izay midika fatahorana. DH: "natahotra an'i Davida izy"
Eto ny hoe "Israely sy Joda" dia manondro ny vahoakan'ireo foko rehetra ireo. DH: "ny vahoaka ao Israely sy Joda rehetra dia tia an'i Davida"
Ny teny hoe "nivoaka" sy "nankeo" dia fomba fiteny izay maneho ny fitarihana ny olona ho any an'ady ary fitarihana azy ireo hody avy any an'ady. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 18:13. DH: "nitondra ireo miaramilany ho any an'ady ary nitondra azy ireo nody avy any an'ady"
Ny fanisiana ratsy olona dia resahina toy ny hoe mametraka tanana eo amin'izany olona izany. Eto, i Saoly dia famonoana an'i Davida no resahin'i Saoly. DH: "Tsy izaho ilay iray izay hamono azy; avelako ireo Filistina no hamono azy"
Mampiasa ity fanontaniana fampisainana ity i Davida mba hanindriana fa tsy mendrika ny hoe vinanto lahin'ny mpanjaka izy. DH: "Tsinontsinona aho ary na ny havako na ny fianakavian-draiko dia tsy manan-danja akory eto Israely ... ny mpanjaka."
"vadin'ny zanaka vavin'ny mpanjaka"
Io dia azo atao hoe DH: "raha tokony nanome an'i Meraba zanany vavy ho an'i Davida i Saoly"
Io dia azo atao hoe DH: "nomeny an'i Adriela izy"
Eto ny hoe "tia" dia midika fa nanana fahatsapana ho raiki-pitia tamin'i Davida izy.
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo olona izay nahalala ny momba ny fahatsapan'i Mikala, fa tsy Davida sy Mikala.
Ny fanisiana ratsy olona dia resahina toy ny hoe mametraka tanana eo amin'izany olona izany. Eto, i Saoly dia famonoana an'i Davida no resahin'i Saoly. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 18:17. DH: "mba hamonoan'ireo Filistina azy"
"ho vadin'ny zanako vavy ianao"
"finaritra aminao ny mpanompony rehetra"
"Noho ireo antony ireo dia tokony"
Mametraka an'io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hanindriana fa tsy mendrika ny ho vinanto lahin'ny mpanjaka izy. DH: "Raharaha be izay ho vinanto lahin'ny mpanjaka izany, ary mahantra loatra aho sady tsy manan-danja ho amin'izany."
Ny matoanteny ho an'ny andian-teny faharoa dia azo ampiana avy ao amin'ny voalohany. DH: "Tsy maniry vodiondry ny mpanjaka, fa lohan-tsitsin'ireo Filistina 100 no iriany"
Amin'io kolontsina io, dia takiana amin'ny lehilahy ny fanolorana fanomezana ho an'ny rain'ilay ampakarina.
Ny teny hoe "lohan-tsitsy" dia ilazana ilay hoditra mivalona eo amin'ny fitaovam-pananahan'ny lehilahy izay esorina amin'ny famorana.
Io dia azo atao hoe DH: "hahazoana valifaty amin'ireo fahavalon'ny mpanjaka"
Eto ny hoe "lavo" dia midika hoe maty. Ny teny hoe "tanana" dia manondro an'ireo Filistina. Io dia azo atao hoe DH: "mba hamonoan'ireo Filistina an'i Davida"
Io dia azo ato tarehimarika. DH: "Filistina 200"
Eto ny dikan'ny hoe "hita" sy "fantany" dia mitovy hevitra ary manamafy fa hain'i Saoly sy azony antoka izany.
Eto ny hoe "tia" dia midika fa nanana fahatsapana ho raiki-pitia tamin'i Davida izy.
Eto ny "anarana" dia ilazana an'i Davida. Io dia azo atao hoe DH: "koa nanaja fatratra an'i Davida ny olona"
1 Ary Saoly niteny tamin'i Jonatana zanany lahy sy tamin'ireo mpanompony ny tokony hamonoan'izy ireo an'i Davida. Kanefa i Jonatana, zanak'i Saoly, dia tia an'i Davida fatratra. 2 Koa hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Mitady hamono anao i Saoly raiko. Noho izany miambena amin'ny maraina ary miafena amin'ny toerana mangingina. 3 Izaho hivoaka hitsangana eo anilan'ny raiko eo amin'ny saha izay misy anao, ary hiresaka momba anao amin'ny raiko aho. Raha mahafantatra zavatra aho, dia hoteneniko ianao." 4 Nilaza soa momba an'i Davida tamin'i Saoly rainy i Jonatana ka hoy izy taminy: "Aoka tsy hanota amin'i Davida mpanompony ny mpanjaka. Fa tsy nanota taminao izy, ary nitondra soa ho anao ireo asany. 5 Fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ilay Filistina. Yaveh efa nitondra fandresena lehibe ho an'Israely rehetra. Nahita izany ianao ka faly. Nahoana no hanota hanohitra ny rà tsy manan-tsiny amin'ny famonoana an'i Davida tsy ahoan-tsy ahoana ianao?" 6 Nihaino an'i Jonatana i Saoly. Ka nianiana hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia tsy hovonoina izy." 7 Dia niantso an'i Davida i Jonatana, ary noteneniny tamin'i Davida izany zavatra rehetra izany. Nentin'i Jonatana tany amin'i Saoly i Davida, ary teo amin'ny fanatrehany toy ny teo aloha indray izy. 8 Ary nisy ady indray, dia nivoaka hiady amin'ny Filistina i Davida ka nandresy azy ireo tamin'ny famonoana lehibe. Dia nandositra teo anatrehany izy ireo. 9 Tonga tamin'i Saoly ny fanahy ratsy avy amin'i Yaveh raha nipetraka tao an-tranony niaraka tamin'ny lefona teny an-tanany izy, ary raha nitendry zava-maneno iny i Davida. 10 Ary i Saoly nanandrana nikendry an'i Davida teo amin'ny rindrina tamin'ny lefony, kanefa nandositra ny fanatrehan'i Saoly izy, ka natsatok'i Saoly teo amin'ny rindrina ny lefona. Nitsoaka i Davida ary afa-nandositra tamin'iny alina iny. 11 Nandefa iraka tany an-tranon'i Davida mba hijery azy mba hahafahany mamono azy i Saoly ny maraina. Mikala, vadin'i Davida, niteny azy hoe: "Raha tsy mamonjy ny ainao anio alina ianao, dia hovonoina ianao rahampitso." 12 Navelan'i Mikala hidina teo amin'ny varavarankely i Davida. Dia lasa izy ka nitsoaka, ary afa-nandositra. 13 Naka sampy tao an-tranony i Mikala dia nametraka izany teo am-pandriana. Ary naka ondana volon'osy izy ka napetrany teo amin'ny lohany, ary norakofany akanjo izany. 14 Raha nandefa iraka mba haka an'i Davida i Saoly, dia hoy izy hoe: "Marary izy." 15 Dia nandefa iraka mba hijery an'i Davida indray i Saoly, ka hoy izy: "Ento hiakatra aty amiko amin'ny fandriana izy, mba hahafahako mamono azy." 16 Raha niditra ireo iraka, indro, ny sampy izay tao an-tranony no teo am-pandriana miaraka amin'ny ondana volon'osy eo amin'ny lohany. 17 Dia hoy i Saoly tamin'i Mikala: "Nahoana no namitaka ahy ianao ka namela ny fahavaloko handeha, ka dia afa-nandositra izy?" Mikala namaly an'i Saoly hoe: "Hoy izy tamiko, 'Avelao aho handeha. Nahoana aho no hamono anao?'" 18 Ary nitsoaka sy afa-nandositra i Davida, dia nankany amin'i Samoela tany Rama ka nilaza taminy ny zavatra rehetra izay nataon'i Saoly taminy. Dia nandeha izy sy Samoela ka nitoetra tany Naiota. 19 Nisy nanambara tamin'i Saoly izany, manao hoe: "Indro, ao Naiota any Rama i Davida." 20 Dia nandefa iraka hisambotra an'i Davida i Saoly. Raha nahita ny naman'ny mpaminany naminany izy ireo, ary Samoela nijoro ho lehiben'izy ireo, ny fanahin'Andriamanitra tonga tamin'ny irak'i Saoly, dia naminany koa izy ireo. 21 Rehefa nilazana izany i Saoly, dia nandefa iraka hafa izy, ary naminany ihany koa izy ireo. Ary nandefa iraka fanintelony indray i Saoly, ka naminany ihany koa ireo. 22 Dia nankany Rama koa izy ary tonga teo amin'ny lava-drano tao Seko. Nanontany izy hoe: "Aiza i Samoela sy Davida?" Nisy olona niteny hoe: "Indro, ao Naiota any Rama izy ireo." 23 Nankany Naiota any Rama i Saoly. Dia tonga tao aminy koa ny fanahin'i Yaveh, ka naminany teny am-pandehanana mandra-pahatongany tany Naiota tany Rama izy. 24 Nanala ny fitafiany izy ary naminany teo anatrehan'i Samoela. Nitanjaka nandritra ny andro sy ny alina rehetra izy. Izany no antony nanontanian'izy ireo hoe: "Isan'ireo mpaminany koa ve i Saoly?"
Eto ny mpisolotena tampisaka "-ny" dia manondro an'i Saoly.
Tena finaritra niaraka tamin'ny Davida i Jonatana.
Ataon'i Jonatana toy ny hoe olon-kafa i Saoly mba hampisehoana an'i Saoly fa manaja azy izy. DH: "Aza manota amin'ny mpanomponao"
Eto ny hoe "nanao ny ainy tsy ho zavatra " dia fomba fiteny ilazana hoe nanao vy very ny ainy izy. DH: "nanao vy very ny ainy izy"
Mametraka io fanontaniana io i Jonatana mna hibedesana an'i Saoly. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Tsy tokony hanota hanohitra ny rà tsy manan-tsiny ianao ka hamono an'i Davida tsy amin'ny antony."
Eto ny "rà" dia fibangoan-teny ilazana ny ain'ny olona tsy manan-tsiny. DH: "manao ny fahotan'ny famonoan'olona"
Io dia azo atao hoe DH: "Tsy hamono azy aho" na "ho avelako ho velona tokoa izy"
Teo amin'ny fanatrehan'i Saoly i Davida.
Eto ny "ny fanahy ratsy" dia mety ilazana ny "fanahy mitondra loza." Adikao araka ny ao amin'ny 16:14 io.
nanipy ny lefony mba hitrobaka an'i Davida ka hitstoka eo amin'ny rindrina
"mba hahafahan'i Saoly mamono an'i Davida"
Nolazain'i Mikala tamin'i Davida hoe
Eto ny hoe "mamonjy ny ainao" dia fomba fiteny izay ilazana ny fandosirana. DH: "Raha tsy mandositra ianao"
Io dia azo atao hoe DH: "hisy hamono anao"
Manampy an'i Davida handositra an'i Saoly Mpanjaka i Mikala. Mampiasa sampy tao an-tokatranony izy mba hahatonga ny fandrian'i Davida ho toy ny hoe matory eo izy.
Ireo mety ho heviny dia 1) Natory teo amin'ilay ondana volon'osy ny lohan'ilay sampy ary nampiakanjoan'i Mikala tamin'ny fitafian'i Davida ilay izy, na 2) Nampiasa ny fitafian'i Davida i Mikala mba ho firakotra hanaronana tanteraka ilay sampy ary nataony nitovy tamin'ny volon'i Davida izay mivoaka avy ao amin'ilay firakotra natao tamin'ny akanjo ilay "ondana" volon'osy.
Ampiharin'i Davida ny faniriany hamono an'i Davida.
"haka an'i Davida hiverina any amin'i Saoly"
Eto ny hoe "izy" dia manondro an'i Mikala.
Ny antony niheveran'ireo lehilahy fa teo am-pandriana i Davida dia azo atao mazava. DH: "Raha diso marary loatra izy, dia ento aty amiko miaraka aminy ao anatin'izany ny fandriana"
Adikao araka ny ao amin'ny 19:12 io.
Ny teny hoe "indro" eto dia mampiseho fa gaga ny amin'izay hitany ireo iraka.
Ireo mety ho heviny dia 1) Tena tian'i Saoly ho fantatra marina hoe nahoana i Mikala no nanao izay nataony na 2) nampiasa io fanontaniana io i Saoly mba hibedesana an'i Mikala. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Tsy tokony nanapa-kevitra ianao ka nandefa ny fahavaloko, hany ka nandositra izy."
Na dia tsy tena nilaza izany aza i Davida, dia milaza amin'i Saoly i Mikala fa nandrahona azy tamin'io fanontaniana io i Davida. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Matiko ianao raha tsy manampy ahy handositra."
Nandositra an'i Saoly i Davida.
Ity teny ity dia ampisaina eto mba hampisehoana fa nanomboka nilaza fizarana vaovao amin'ny tantara ny mpanoratra.
"Jereo" na "Mihainoa" na "Tandremo tsara izay ho lazaiko aminao"
Eto ny "loha" dia ilazana ny toerana na fahefana. DH: "nanao toy ny mpitarika azy ireo"
Io dia azo atao hoe DH: "Rehefa nisy nilaza an'i Saoly an'izany"
Anaran-toerana ireo.
Lasa filaza teo amin'ireo Israelita izany. Toa nilaza izany ny olona mba hanehoana fahatairana rehefa nisy olona nanao zavatra izay tsy mbola nataony teo aloha tamin'ny fomba tsy ampoizina. Ny hevitra ambadik'io fanontaniana io dia azo adika mazava. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 10:11. DH: "Izany no antony ilazan'ny olona hoe: 'Mpaminany koa ve i Saoly" rehefa misy manao zavatra tena tsy ampoizina.
Eto ny hoe "izy ireo" dia ilazana ny olona amin'ny ankapobeny. Laza filaza teo amin'ny olona io fanontaniana io.
1 Ary Davida nandositra avy tany Naiota any Rama ka nankany amin'i Jonatana ary nanao hoe: "Fa inona no nataoko? Inona no heloko? Inona no fahotako teo anatrehan'ny rainao, no mitady hifofo ny aiko izy" 2 Jonatana nanao tamin'i Davida hoe: "Sanatria anie izany; tsy ho faty ianao. Tsy manao zavatra na lehibe na kely ka tsy milaza izany amiko ny raiko. Nahoana no tokony hanafina izany zavatra izany amiko ny raiko? Tsy izany velively." 3 Ary nivoady indray Davida ka nanao hoe: "Fantatry ny rainao tsara fa nahita sitraka teo imasonao aho. Efa nilaza izy hoe: 'Aza avela ho fantatr'i Jonatana izao, raha tsy izany dia halahelo izy.' Nefa raha velona marina Yaveh, ary raha mbola velona koa ianao, dia kely fotsiny ny elanelana eo amiko sy ny fahafatesana." 4 Ary hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Na inona na inona lazainao, dia hataoko ho anao." 5 Hoy i Davida tamin'i Jonatana: "Rahampitso ny voaloham-bolana, ka tokony hipetraka hiara-hihinana amin'ny mpanjaka aho. Nefa avelao aho andeha, mba hiafina any an-tsaha hatramin'ny harivan'ny andro fahatelo. 6 Raha mahatsiaro ahy ny rainao, dia ataovy hoe: 'Nanao fierana fatratra tamiko i Davida mba hamonjy an'i Betlehema tanànany; satria efa ankatoky ny sorona isan-taona ho an'ny fianakaviana manontolo any.' 7 Raha hoy izy hoe: 'Tsara izany,' dia hanam-piadanana ny mpanomponao. Fa raha tezitra mafy izy, dia fantaro fa nanapa-kevitra hanao ratsy izy. 8 Noho izany dia mifanaraha tsara amin'ny mpanomponao. Fa efa nitondra ny mpanomponao ho amin'ny faneken'i Yaveh niaraka taminao ianao. Nefa raha misy fahotana amiko, dia ianao no hamono ahy; koa nahoana aho no entinao any amin'ny rainao?" 9 Hoy i Jonatana: "Sanatria aminao anie izany! Raha nahafantatra aho fa nanapa-kevitra ny hanao ratsy anao ny raiko, dia tsy hilaza aminao ve aho?" 10 Dia hoy i Davida tamin'i Jonatana: "Iza no hiteny amiko raha sanatria mamaly anao amin'ny teny mafy ny rainao?" 11 Jonatana nanao tamin'i Davida hoe: "Andao, andeha isika hivoaka any an-tsaha." Ka nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy. 12 Hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Yaveh, Andriamanitr'Israely anie no ho vavolombelona. Rehefa avy manontany an-draiko aho rahampitso amin'izao ora izao, na amin'ny andro fahatelo, jereo, raha misy zava-tsoa ho an'i Davida, moa tsy haniraka ho any aminao sy hampahafantatra anao ve aho? 13 Raha mahafaly an-draiko ny hanao ratsy anao, Yaveh anie hanao izany amin'i Jonatana ary mihoatra aza raha tsy mampahafantatra izany aminao sy mandefa anao aho, mba handehananao am-piadanana. Homba anao anie Yaveh, tahaka ny efa nombàny ny raiko. 14 Fa raha mbola velona koa aho, moa tsy hampiseho ahy ny tsy fivadiham-paneken'i Yaveh ve ianao, mba tsy ho faty aho? 15 Aza manapaka ny tsy fivadiam-panekenao hiala amin'ny ankohonako mandrakizay—na dia foanan'i Yaveh eo amin'ny tany aza ny fahavalon'i Davida rehetra." 16 Ary Jonatana nanao fanekena tamin'ny ankohonan'i Davida ka nanao hoe: "Yaveh anie hitaky ny honitra eo amin'ny tanan'ireo fahavalon'i Davida." 17 Nampanao voady an'i Davida indray i Jonatana noho ny fitiavany azy, satria tia azy tahaka ny fitiavany ny fanahiny ihany izy. 18 Dia hoy i Jonatana taminy: "Rahampitso ny voaloham-bolana. Ho tsaroana ianao satria foana ny sezanao. 19 Rehefa nijanona telo andro ianao, dia midìna haingana ary mankanesa any amin'ny toerana izay niafenanao rehefa teo am-pelatanana ny raharaha, ary miandrasa eo akaikin'ny vatolampy Ezela. 20 Handefa zana-tsipìka telo eo anilan'izany aho, toy ny hoe mtifitra zavatra kendrena. 21 Ary haniraka ny zatovolahiko aho ka hiteny aminy hoe: 'Andeha tadiavo ireo zana-tsipìka.' Raha miteny amin'ilay zatovolahy aho hoe: 'Indro, itsy ankilanao itsy ireo zana-tsipìka; alaivo ireo," dia tongava; fa hisy fiarovana ary tsy hisy ratsy ho anao, raha mbola velona koa Yaveh. 22 "Nefa raha miteny amin'ilay zatovolahy aho hoe: 'Indro, ao aorianao ireo zana-tsipìka,' dia mandehana amin'ny lalanao, fa efa nandefa anao i Yaveh. 23 Raha ny amin'ny fifanarahana izay nifampiresahantsika, indro, eo afovoantsika mandrakizay i Yaveh.'" 24 Koa niafina tany an-tsaha i Davida. Rehefa tonga ny voaloham-bolana, dia nipetraka nihinana sakafo ny mpanjaka. 25 Nipetraka teo amin'ny sezany ny mpanjaka, tahaka ny mahazatra, teo amin'ny seza teo akaikin'ny rindrina. Nijoro i Jonatana, ary Abnera nipetraka teo anilan'i Saoly. Nefa foana ny sezan'i Davida. 26 Tsy mbola niteny na inona na inona i Saoly tamin'io andro io, satria nieritreritra izy hoe: "Nisy zavatra nahazo azy. Tsy madio izy; azo antoka fa tsy madio izy." 27 Fa tamin'ny andro faharoa kosa, ny ampitson'ny voaloham-bolana, dia foana ny sezan'i Davida. Hoy i Saoly tamin'i Jonatana zanany lahy: "Nahoana no tsy tonga amin'ny fisakafoana ny zanaka lahin'i Jese na omaly na androany?" 28 Jonatana namaly an'i Saoly hoe: "Nangataka alalana fatratra tamiko mba handeha any Betlehema i Davida. 29 Hoy izy: 'Avelao re aho mba handeha. Fa ny fianakavianay manana sorona ao an-tanàna, ary ny rahalahiko nandidy ahy ho any. Ankehitriny, raha efa nahita sitraka teo imasonao aho, dia avelao re aho handeha ary hijery ireo rahalahiko.' Izany no antony tsy nahatongavany teo an-databatry ny mpanjaka." 30 Koa nirehitra tamin'i Jonatana ny hatezeran'i Saoly, ary hoy izy taminy: "Ianao ry zanaka lahin'ny mpamadika, vehivavy mpikomy! Moa ve aho tsy mahafantatra fa efa nisafidy ny zanaka lahin'i Jese ho fahamenarana ho anao, sy ho fahamenaran'ny fitanjahan'ny reninao ianao? 31 Fa raha mbola miaina eto an-tany ny zanaka lahin'i Jese, dia tsy ho tafapetraka na ianao na ny fanjakanao. Koa ankehitriny, alefaso ary ento aty amiko izy, fa tsy maintsy ho faty tokoa izy." 32 Jonatana namaly an'i Saoly rainy hoe: "Fa inona no antony tokony hamonoana azy? Inona no nataony?" 33 Ary Saoly nanipy ny lefony taminy mba hamono azy. Ka dia fantatr'i Jonatana fa tapa-kevitra ny hamono an'i Davida ny rainy. 34 Nitsangana niala tam-pahavinirana teo amin'ny latabatra ary tsy nihinana sakafo i Jonatana ny andro faharoan'ny volana, fa nalahelo an'i Davida izy, satria nanala baraka azy ny rainy. 35 Ny maraina, nivoaka nankany an-tsaha tamin'ny fotoana voatondro niaraka tamin'i Davida i Jonatana, sy ny zatovolahy niaraka taminy. 36 Hoy izy tamin'ilay zatovolahiny: "Mihazakazaha ary tadiavo ireo zana-tsipìka izay natifitro." Ary raha nihazakazaka ilay zatovolahy, dia notifiriny zana-tsipìka tao aoriany. 37 Rehefa tonga teo amin'ny toerana izay nitsatohan'ny zana-tsipìka nalefan'i Jonatana ilay zatovolahy, dia niantso ilay zatovolahy i Jonatana avy eo, ary nanao hoe: "Moa tsy ao aorianao ve ny zana-tsipìka?" 38 Ary niantso ilay zatovolahy i Jonatana hoe: "Faingàna, malakia, aza mijanona!" Ary ilay zatovolahin'i Jonatana nanangona ireo zana-tsipìka niakatra ary nankany amin'ny tompony. 39 Nefa tsy nahalala na inona na inona ilay zatovolahy. Jonatana sy Davida ihany no nahalala ny raharaha. 40 Nomen'i Jonatana an'ilay zatovolahiny ireo fitaovam-piadiana ary hoy izy taminy: "Mandehana, ento any an-tanàna ireo." 41 Raha vao lasa ilay tovolahy, dia nitsangana avy tao ambadiky ny dongon-tany i Davida, niankohoka teo amin'ny tany, ary niondrika intelo. Nifanoroka sy niara-nitomany izy ireo, ary Davida nitomany mafy. [1]42 Hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Mandehana am-piadanana, satria efa samy nianiana tamin'ny anaran'i Yaveh isika ary nanao hoe: 'Yaveh anie ho eo afovoantsika, ary eo afovoan'ireo taranako sy ireo taranakao mandrakizay.'" Ary nitsangana Davida ka lasa, fa Jonatana kosa niverina tany an-tanàna.
Mitovitovy hevitra ihany ireo fanontaniana telo ireo. Ampisain'i Davida ho fanamafisan-kevitra ireo ireo fa tsy nanao izay ratsy tamin'i Saoly izy. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Tsy nanao izay tsy mety aho. Tsy nanao fahotana aho. Tsy nanota tamin'ny rainao aho. Tsy misy antony tokony hifofoiny ny aiko."
Eto ny hoe "hifofo ny aiko" dia fomba fiteny ilazana ny hoe "hamono ahy."
Eto ny hoe "Sanatria anie izany" dia fomba fiteny ilazana fa tsy marina izany. DH: "tsy marina tokoa izany"
Ao anatin'ny teny hoe "na lehibe na kely" izay rehetra eo antenantenan'izany. DH: "na inona na inona"
Ampiasain'i Jonatana io fanontaniana io mba hanindriana fa niteny taminy i Saoly raha nikasa ny hamono an'i Davida. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Tsy misy antony tokony hanafenan'ny raiko izany amiko" na "Raha marina izany zavatra izany, dia ho nampahafantarin'ny raiko ahy tokoa"
"tsy marina izany"
Eto ny maso dia maneho ny fahitana, ary ny fahitana dia maneho ny fihevitra sy ny fitsarana. DH: "Nahafinaritra anao aho" na "raisinao am-pankasitrahana aho"
Io dia azo atao hoe DH: "hampalahelo azy izany" na "halahelo mafy izy"
Eto ny hoe "elanelana eo amiko sy ny fahafatesana" dia fomba fiteny izay maneho hoe ambavahoan'ny fahafatesana. DH: "efa ambavahoan'ny fahafatesana aho"
Mandroso hevitra ho fitsapana an'i Saoly Mpanjaka amin'i Jonatana i Davida.
Isaky ny voaloham-bolana rehetra dia nankalaza sy nanatitra sorona ho an'i Yaveh ny vahoaka.
"hatramin'ny harivan'ny rahafaka ny ampitso"
Manohy manazava ny fitsapana nandrosoany hevitra i Davida.
"nangataka tamiko raha hamela azy handeha aho"
Ny teny hoe "izy" dia manondro an'i Saoly.
Ataon'i Davida toy ny hoe olon-kafa ny tenany mba hanehoana fanajana amin'i Jonatana. DH: "Izaho, mpanomponao, dia hanam-piadanana"
Manohy miresaka amin'i Jonatana i Davida.
Ataon'i Davida hoe "mpanomponao" ny tenany mba ho fanehoana fanetren-tena. DH: "amiko, mpanomponao ... efa nitondra ahy, mpanomponao" na "amiko ... efa nitondra ahy"
Izay izay nifaneken'ireo lehilahy roa dia azo atao mazava tsara. DH: "Ren'i Yaveh ianao rehefa nanao fanekena manetriketrika tamiko fa ho mpinamana tsara foana izaho sy ianao"
Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "dia tsy misy antony tokony hitondranao ahy ho any amin'ny rainao"
Io dia fomba fiteny izay midika fa tsy hitranga aminao mihitsy izany. DH: "Tsy hitranga aminao mihitsy izany!"
Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Dia ho lazaiko aminao tokoa."
"henoy" na "tandremo tsara izay ho lazaiko aminao"
"raha te hanao zava-tsoa aminao ny raiko"
Ampiasain'i Jonatana io fanontaniana fampisainana io mba hanindriana fa ho lazainy amin'i Davida raha mikasa ny hanisy ratsy azy i Saoly. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "dia haniraka ho any aminao tokoa aho ka hampahafantara anao"
Fomba fiteny io. Ampisain'i Jonatana io fianianana io mba ho fanamafisan-kevitra ary ataony toy ny hoe olon-kafa ny tenany. DH: "ho ataon'i Yaveh amiko anie izy ratsy rehetra kasainy atao aminao, ary mihoatra noho izany aza"
Mangataka amin'i Davida i Jonatana mba tsy hamono tanteraka ny taranany mba hisy sisa tavela.
Mametraka io fanontaniana io i Jonatana mba hanamafisana fa hanao izany i Davida. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "mba asehoy amiko re ny tsy fivadiham-paneken'i Yaveh, mba tsy ho faty aho"
"asehoy ahy ny tsy fivadiham-panekena izay asehon'i Yaveh"
Ny teny hoe "ankohonana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona izay mipetraka ao amin'ilay trano. DH: "ny fianakavian'i Davida"
Ny tanana dia fibangoan-teny ilazana ilay olona. Ireo mety ho heviny dia 1) "Hampiasa ny fahavalon'i Davida anie Yaveh mba hanafay azy raha mivadi-panekena i Davida" na 2) "Ho ringanin'i Yaveh anie ny fahavalon'i Davida."
Eto ny hoe "ny fanahiny ihany" dia ilazana ny tenany ihany. DH: "tia an'i Davida tahaka ny fitiavany ny tenany ihany i Jonatana"
Io dia azo atao hoe DH: "Hahatsiaro anao ny raiko"
Eto ny hoe "eo am-pelatanana ny raharaha" dia fomba fiteny ilazana ny fotoana fitrangan'ny zavatra rehetra. DH: "rehefa nitranga ny zavatra rehetra"
Anaram-bato ny hoe "Ezela." DH: "ilay vato izay antsoin'ny olona hoe Ezela"
Manohy miresaka amin'i Davida i Jonatana.
Eto ny teny hoe "izany" dia ilazana ny vato izay hiafenan'i Davida.
Manondro olona mitovy ihany ireo.
"henoy" na "tandremo tsara izay ho lazaiko aminao"
"dia tongava ianao, ry Davida"
Manohy miresaka amin'i Davida i Jonatana.
Ny teny hoe "indro" eto dia manamafy izay manaraka eo. DH: "eny tokoa"
Ireo mety ho heviny dia 1) "Yaveh no vavolombelona amintsika" na "Yaveh no hijery izay hifampitondrantsika" na 2) "Yaveh anie ho vavolombelona amiko sy ianao" na "Yaveh anie no hijery izay hifampitondrantsika"
Ny fandikana taloha sasany dia misy hoe "nipetraka teny ampitany i Jonatana" (UDB).
Araka ny lalàn'i Mosesy, ny olona izay maloto ara-pomba dia tsy mahazo mandray anjara amin'ny firavoravoana mandra-panambaran'ny mpisorona fa efa madio izy. Averin'i Saoly toy ny hoe mandresy lahatra ny tenany io andian-teny io.
"Nangataka ahy mba hamela azy handeha"
Eto ny hoe "imaso" dia ilazana ny fahitana, ary ny fahitana dia ilazana ny fihevitra na ny fitsarana. Adikao araka ny ao amin'ny 20:3 io. DH: "Nahafinaritra anao aho" na "raisinao am-pankasitrahana aho"
Ataon'i Jonatana toy ny hoe olon-kafa i Saoly mba hampisehoana fa manaja an'i Saoly izy. DH: "an-databatrao"
Eto ny hoe "nirehitra ny fahatezerana" dia sarinteny ilazana hoe tezitra mafy. DH: "Tezitra mafy tamin'i Jonatana i Saoly"
Fomba fiteny io. Ampiasain'i Saoly io andian-teny io ho fibedesana henjana an'i Jonatana sy hanehoana ny fiahiahiany ny amin'i Davida. DH: "Ry ilay zanaka mpivaro-tena vendrana" na "Ry ilay mpamadika vendrana"
Ampiasain'i Saoly io fanontaniana ho fanindriana fa fantany fa mpinamana i Davida sy Jonatana. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra.DH: "Fantaro fa nosafidianao ny zanak'i Jese ... ny fitanjahan'ny reninao."
Eto ny "fitanjahan'ny reninao" dia fomba fiteny ilazana ny reny izay niteraka anao. DH: "ho fahamenaran'ny reninao izay niteraka anao"
Io dia azo atao hoe DH: "tsy ho mpanjaka ianao ary tsy hanorina ny fanjakanao"
Miezaka ny hampisaina tsara an'i Saoly ny amin'izay ataony i Jonatana. Io dia azo adika ho fanambarana tsotra, ary ny teny hoe "tokony hamonoana azy" dia azo adika hoe DH: "Tsy manana antony tsara tokony hamonoana azy ianao. Tsy nanao izay ratsy izy."
Io "faharoa" io dia filaharan'isa. DH: "ny andro faharoan'ny firavoravoan'ny volana vaovao"
Eto ny hoe "azy" dia manondro an'i Davida.
Eto ny hoe "taminy" dia manondro an'i Jonatana.
"Nitifitra zana-tsipìka tao aorian'ilay tovolahy i Jonatana"
Ampiasain'i Jonatana io fanontaniana io mba ilazana fa lavitra an'ilay tovolahy ilay zana-tsipìka. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Tokony ho fantatrao fa aorianao ilay zana-tsipìka" na "Aoriana lavitra anao ilay zana-tsipìka"
"niantso ilay tovolahy, izay nihazakazaka nanalavitra azy hoe: 'Malaky"
Toa niafina taorian'ny dongon-tany na vato i Davida.
Niankohoka teo anatrehan'i Jonatana, izay mbola zanaky ny mpanjaka, mendrika ny fanajana tahaka izany, i Davida. Ary koa, io no fotoana farany nihaonan'i Davida tamin'i Jonatana.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Yaveh no vavolombelona amintsika" na "Yaveh no hijery izay hifampitondrantsika" na 2) "Yaveh anie ho vavolombelona amiko sy ianao" na "Yaveh anie no hijery izay hifampitondrantsika" Adikao araka ny ao amin'ny 20:22.
1 Dia tonga tao Noba i Davida mba hijery an'i Ahimeleka mpisorona. Tonga mba hitsena an'i Davida tam-pangovitana i Ahimeleka ary niteny taminy hoe: "Nahoana ianao no irery ary tsy misy miaraka aminao?" 2 Hoy i Davida tamin'i Ahimeleka mpisorona hoe: "Nandefa ahy hanatanteraka iraka ny mpanjaka ary niteny tamiko hoe: 'Aza avela hisy hahafantatra na inona na inona momba ny raharaha izay hanirahako anao, sy izay handidiako anao.' Nanoro lalana ireo zatovolahy ho any amina toerana iray aho. 3 Koa inona ary no an-tananao izao? Omeo mofo dimy aho, na izay rehetra misy ato." 4 Namaly an'i Davida ilay mpisorona ka nanao hoe: "Tsy misy mofo tsotra eto an-tanako, fa kosa misy mofo masina—raha nahatandri-tena tamin'ny vehivavy ireo tovolahy." 5 Davida namaly an'ilay mpisorona nanao hoe: "Nahatandri-tena tamin'ny vehivavy tokoa izahay nandritra ireo telo andro lasa, tahaka ny fanao isaky ny miainga aho. Efa natokana ny fananan'ireo lehilahy ireo na dia ho amin'ireo iraka tsotra aza. Mainka aza voatokana izay hananan'izy ireo ankehitriny!" 6 Koa dia nanome azy ilay mofo izay voatokana ilay mpisorona. Fa tsy nisy mofo afa-tsy ny mofon'ny fanatrehana mantsy tao, izay efa nesorina teo anatrehan'i Yaveh, mba hametrahana mofo vaovao eo amin'ny toeran'izany tamin'ny andro nanesorana izany. 7 Ary ny iray tamin'ireo mpanompon'i Saoly izay tany tamin'izany andro izany, dia voatazona teo anatrehan'i Yaveh. Doega Edomita no anarany, lehiben'ireo mpiandry ombin'i Saoly. 8 Dia hoy Davida tamin'i Ahimeleka hoe: "Tsy misy lefona na sabatra azo ampiasaina ve eo an-tananao? Fa tsy nahatondra akory aho na ny sabatro na ireo fitaovam-piadiako taty amiko, satria tena maika tokoa ny raharahan'ny mpanjaka." 9 Hoy ilay mpisorona hoe: "Ny sabatr'i Goliata ilay Filistina, izay novonoinao tany amin'ny Lohasahan'i Elaha, izay mifono lamba ao ambadiky ny efoda no ato. Raha tianao alaina izany, dia alaivo, fa tsy misy fitaovam-piadiana hafa ato." Hoy i Davida hoe: "Tsy misy sabatra tahaka izany iray izany; omeo ahy izany." 10 Dia nitsangana i Davida ary nitsoaka an'i Saoly tamin'izany andro izany ka nankany amin'i Akisa, mpanjakan'i Gata. 11 Ireo mpanompon'i Akisa niteny taminy hoe: "Tsy i Davida, ilay mpanjakan'ny tany ve ity? Tsy ity ve ilay nifampihirahiran'izy ireo tamin'ny dihy hoe: 'Saoly namono an'arivony, ary Davida namono an'aliny'?" 12 Noraisin'i Davida am-po izany teny izany ka natahotra mafy an'i Akisa, mpanjakan'i Gata izy. 13 Nanova ny fihetsiny teo anatrehan'izy ireo izy ka nodiany ho very saina teo an-tanan'izy ireo; nanoratsoratra teo amin'ny lela-bavahady izy ary navelany hitsororoka teo amin'ny volom-bavany ny iviny. 14 Avy eo dia hoy i Akisa tamin'ireo mpanompony hoe: "Indro, hitanareo fa very saina ilay lehilahy. Nahoana no nentinareo eto amiko izy? 15 Tsy ampy olona adala angaha aho, no dia nentinareo eto amiko io mba hanao fihetsika tahaka izao eto anatrehako? Hiditra ao an-tranoko tokoa ve io namana io?"
Anaran-toerana io.
Anaran-dehilahy io
nihovitrovitry ny tahotra
"hanatanteraka asa ho azy"
"Nilaza tamin'ireo tovolahy mba handeha any amin'ny toeran-kafa, ary hihaona amin'izy ireo any aho aoriana kely ao"
Manomboka amphan-dresaka vaovao i Davida.
Eto ny hoe "an-tananao" dia midika hoe azo alaina. DH: "Inona no sakafo hanananao izay azonao omena ahy?"
Fangatahana am-panajana io.
mofo izay tsy nampiasain'ny mpisorona tamin'ny fanompoana
mofo izay nampiasain'ny mpisorona tamin'ny fanompoana
Io dia azo adika ho fehezanteny feno. DH: "Mahazo mihinana izany ireo lehilahinao raha tsy niara-nandry tamin'ny vehivavy vao haingana"
Io dia azo aika hoe DH: "efa nitandri-tena tamin'ny vehivavy izahay"
"3 andro"
"rehefa manomboka ny diako aho"
Io dia azo adika hoe DH: "Efa natokan'ireo lehilahy izay azy ireo"
Teny tsaotra io, fa tsy fanontaniana. Io dia azo adika hoe DH: "Indrindra fa androany dia hanokana izay hananany izy ireo"
Io dia azo adika hoe DH: "ny mofo izay natokan'ireo mpisorona"
Io dia azo adika hoe DH: "izay nesorin'ny mpisorona teo anatrehan'i Yaveh, mba hametrahan'izy ireo"
Mety ho ilainao ny milaza mazava fa hitan'i Doega izay nataon'i Davida. DH: " Doega ... mpiandry ombiny, ary hitany izay nataon'i Davida"
Anaran-dehilahy io.
Ireo mety ho heviny dia 1) "fa notazonin'i Yaveh tany izy," mety mba hahafahan'i Doega mamita ny zavatra izay nampanantenainy tamin'i Yaveh fa hataony na 2) tsy misy mahalala ny antony nahateo azy, "noho izay mety ho antony rehetra"
mpiandry sy mpiaro ny biby fiompy, indrindra ny omby na ny ondry
Eto ny hoe "eo an-tananao" dia ilazana ny hoe "azo alaina." DH: "Manana lefona na sabatra ve ianao homena ahy? Adikao araka ny ao amin'ny 21:3.
anarana amin'ny ankapobeny ilazana ny zavatra tahaka ny sabatra, antsy, lefona sy zana-tspika
Anaran-toerana any Israely io.
Mety ho nanao filaza masaka izy ireo rehefa nilaza fa Davida no mpanjakan'ny tany. Nampiasain'izy ireo io fanontaniana io mba hilazana fa fahavalo mahery i Davida ary tsy tokony hamela azy hijanona eo i Akisa. DH: "Hainao fa i Davida io, izay lozabe tahaka ny mpanjakan'ny tany"
Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Hainao fa rehefa nandihy ny vahoakan'ny tany, dia nifampihira momba azy izy ireo hoe: 'Saoly ... an'aliny."
Eo ny hoe "noraisin'i ... am-po" dia ilazana ny fiheverana marina izay nambara. DH: "nihevitra marina momba izay nolazain'ireo mpanompo i Davida"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona. DH: "teo anatrehan'izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) Mangataka i Akisa mba hanazavan'ny mpanompony hoe nahoana no nentin'izy rieo teo aminy i Davida na 2) Mibedy azy ireo amin'ny fanontaniana fampisainana i Akisa. DH: "Tokony ho fantatrareo fa tsy tokony hoentina eto amiko izy."
Fibedesana io fanontaniana fampisainana io. DH: "Ampy ny olona adala mandany fotoana eto. Tsy tokony nentinareo teto ity namana ity mba hanao tahaka izao eto anatrehako"
Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Aza avela hiditra ao an-tranoko ity namana ity."
1 Ary niala tany Davida ka nandositra tao an-dava-baton'i Adolama. Raha nahare izany ireo rahalahiny sy ny ankohonan-drainy rehetra, dia nidina tany aminy izy ireo. 2 Ny olona rehetra izay tao anaty fahoriana, ny olona rehetra izay tao anaty trosa, ary ny olona rehetra izay tsy faly— izy rehetra dia niangona tao aminy. Lasa kapitenin'ny mpiambina teo amin'izy ireo i Davida. Nisy teo amin'ny efa-jato lahy teo no niaraka taminy. 3 Ary niala teo ho any Mizpa ao Moaba i Davida. Hoy izy tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe: "Mba miangavy re aoka ny raiko sy ny reniko hivoaka hiaraka aminao mandram-pahafantarako izay hataon'Andriamanitra ho ahy." [1]4 Navelany niaraka tamin'ny mpanjakan'i Moaba izy ireo. Ny rainy sy reniny nitoetra niaraka taminy tamin'ny fotoana rehetra naha-tao amin'ny fiarovany mafy an'i Davida. 5 Ary Gada mpaminany niteny tamin'i Davida hoe: "Aza mijanona ao amin'ny fiarovanao mafy. Miaingà ary mandehana any amin'ny tanin'i Joda." Ka dia niala tao Davida ary nandeha tao amin'ny alan'i Hareta. 6 Ren'i Saoly fa hita niaraka tamin'ireo lehilahy izay niaraka taminy i Davida. Ary nipetraka tany Gibea tambanin'ny hazo tamariska tao Rama i Saoly, niaraka tamin'ny lefony teny an-tanany, ary ny mpanompony rehetra nijoro nanodidina azy. 7 Hoy i Saoly tamin'ireo mpanompo nitsangana manodidina azy: "Henoy izao, ry vahoakan'i Benjamina, moa ve hanome saha sy tanim-boaloboka ho an'ny tsirairay avy aminareo ny zanaka lahin'i Jese? Moa ve hanao anareo rehetra ho kapitenin'ny tafika an'arivony sy an-jatony izy, 8 ho takalon'ny tetikareo rehetra hanohitra ahy? Tsy nisy taminareo nampahafantatra ahy rehefa nanao fanekena tamin'ny zanaka lahin'i Jese ny zanako lahy. Tsy nisy taminareo nangoraka ahy. Tsy nisy taminareo nampahafantatra ahy fa ny zanako lahy dia namporisika an'i Davida mpanompoko hanohitra ahy. Anio dia miafina sy miandry ahy izy ary mety hanafika ahy." 9 Ary i Doega Edomita, izay nitsangana teo amin'ireo mpanompon'i Saoly, namaly hoe: "Hitako nankany Noba ny zanaka lahin'i Jese, tao amin'i Ahimeleka zanaka lahin'i Ahitoba. 10 Nivavaka tamin'i Yaveh izy mba hanampiany azy, ary nomeny azy ny vatsy sy ny sabatr'i Goliata Filistina". 11 Ary ny mpanjaka naniraka olona mba hiantso an'i Ahimeleka mpisorona zanaka lahin'i Ahitoba sy ny ankohonan-drainy rehetra, ireo mpisorona izay tao Noba. Izy rehetra ireo dia tonga teo amin'ny mpanjaka. 12 Hoy i Saoly: "Henoy ary, ry zanaka lahin'i Ahitoba." Dia namaly izy hoe: "Inty aho, tompoko." 13 Ary hoy i Saoly taminy: "Nahoana ianao no nitetika hanohitra ahy, ianao sy ny zanaka lahin'i Jese, tamin'ny nanomezanao azy mofo, sy sabatra, ary nivavaka tamin'Andriamanitra mba hanampiany azy, mba hitsanganany hanohitra ahy, mba hiafina any amin'ny takona, toy izao ataony androany izao?" 14 Ary i Ahimeleka namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: "Iza tamin'ireo mpanomponao rehetra moa no mahatoky fatratra tahaka an'i Davida, izay vinanto lahin'ny mpanjaka no sady mpiambina anao ihany koa, ary omem-boninahitra ao an-tranonao? 15 Androany angaha no fotoana voalohany nivavahako tamin'Andriamanitra mba hanampiany azy? Sanatria amiko anie izany! Aza mamela ny mpanjaka hanisy na inona na inona amin'ny mpanompony na amin'ny ankohonan-draiko rehetra. Fa ny mpanomponao dia tsy mahalala na inona na inona ny amin'izao raharaha rehetra izao." 16 Namaly ny mpanjaka hoe: "Tsy maintsy ho faty tokoa ianao, ry Ahimeleka, ianao sy ny ankohonan-drainao rehetra." 17 Dia niteny tamin'ny mpiambina nitsangana nanodidina azy ny mpanjaka nanao hoe: "Mitodiha ary vonoy ireo mpisoron'i Yaveh. Satria ny tanan'izy ireo ihany koa dia miaraka amin'i Davida, ary satria nahafantatra izy ireo fa nandositra izy, kanefa tsy nanambara izany tamiko. Fa ireo mpanompon'ny mpanjaka nefa dia tsy te-haninjitra ny tanany hamono ireo mpisoron'i Yaveh. 18 Ary niteny tamin'i Doega ny mpanjaka hoe: "Mitodiha ary vonoy ireo mpisorona. Dia nitodika sy namely ireo mpisorona i Doega Edomita; namono olona dimy amby valopolo izay niakanjo efoda rongony fotsy tamin'izany andro izany izy. 19 Tamin'ny lelan-tsabatra, no nanafihany an'i Noba, tanànan'ireo mpisorona, na lehilahy na vehivavy, ankizy na zaza, ary ireo omby sy ireo ampondra ary ondry. Namono azy rehetra tamin'ny lelan-tsabatra izy. 20 Fa iray tamin'ireo zanaka lahin'i Ahimeleka zanaka lahin'i Ahitoba, nantsoina hoe Abiatara, nandositra ary nitsoaka nanaraka an'i Davida. 21 Ary Abiatara niteny tamin'i Davida fa novonoin'i Saoly ireo mpisoron'i Yaveh. 22 Hoy i Davida tamin'i Abiatara: "Fantatro tamin'iny andro iny, fa raha tao i Doega ilay Edomita, dia tsy maintsy niteny tamin'i Saoly izy. Izaho no tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesana rehetra tamin'ny fianakavian-drainao! 23 Mijanòna miaraka amiko ary aza matahotra. Fa ny olona izay mifofo ny ainao dia mifofo ny ahy ihany koa. Ho voaaro ianao miaraka amiko."
toerana poak'aty ambany tany, izay matetika dia misokatra eny amin'ny sisin'ny havoana, izay lehibe ampy hidiran'ny olona
Anarana bohitra eny akaikin'ny tanànan'i Gata io.
nandre fa nandeha niafina tao an-dava-bato i Davida
Filaza-masaka io. DH: "Olona maro izay tao anaty fahoriana ... olona maro izay tsy faly"
manam-boninahitry ny tafika izay mitarika miaramila
"400"
"Avy eo dia nandeha avy tao an-dava-bato tany Adolama"
Anaran-tanàna io.
Tian'i Davida mba hipetraka miaraka amin;ny mpanjakan'i Moaba ny ray aman-dreniny mba tsy hahafahan'i Saoly Mpanjaka manisy ratsy azy ireo. Azon'ny mpandika teny atao ny maneho izany amin'ny fampiasana ny hevitra fototra hoe "handeha hitoetra miaraka aminao," "hijanona miaraka aminao," na "hipetraka miaraka aminao aty," tahaka ny ao amin'ny UDB.
"mandehana any amin'ny tany niavianao any Joda"
Anaran-tanàna io.
I Davida no tena raharahan'i Saoly, koa dia tononon'ny mpanoratra misaraka ireo lehilahy hafa. Io dia azo adika hoe DH: "nisy nahalala izay niafenan'i Davida sy ireo lehilahy niaraka taminy"
Karazan-kazo io. DH: "hazo lehibe manalokaloka"
Rama dia anaran-toerana any Gibea. Izany anarana izany dia midika hoe "toerana avo." Ireo mety ho heviny dia 1) eto izany dia manondro ilay toerana antsoina hoe Rama na 2) manondro izay mety ho toerana avo rehetra io. DH: "tany amin'ny havoana"
Mampiasa fanontaniana i Saoly mba hanamafisana fa i Davida, izay avy amin'ny fokon'i Joda, dia tsy maniry ny hanao izany ho an'ny vahoakan'ny fokon'i Benjamina. DH: "Tsy hanome saha sy tanim-boaloboka ho anareo ny zanaka lahin'i Jese."
Azo atao mazava ny fotoana izay hanomezany. DH: "Rehefa lasa mpanjaka ny zanaka lahin'i Jese, tsy hanome"
"Davida"
Mampiasa fanontaniana i Saoly mba hanindriana fa Davida, izay avy amin'ny fokon'i Joda, dia tsy maniry ny hanao izay ho an'ny vahoakan'ny fokon'i Benjamina. DH: "Tsy hataony Kapiteny ... ahy ianareo."
Mety ilainao mampazava ny fotoana izay hanaovany azy ireo ho kapiteny. DH: "rehefa lasa mpanjaka izy, dia hataony kapiteny"
manam-boninahitry ny tafika izay mitarika miaramila
Anaran-dehilahy io. Adikao araka ny ao amin'ny 21:17.
Anaran-toerana ireo. Adikao araka ny ao amin'ny 21:1.
Anaran-dehilahy io.
Nivavaka tamin'i Yaveh i Ahitoba mba hanampiany an'i Davida, ary nomen'i Ahitoba ... Davida
"tamin'ny fanomezana"
"hikomiany" na "hiadiany"
Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Tsy misy amin'ireo mpanomponao no mahatoky tahaka an'i Davida ... an-tranonao."
olona na vondron'olona miaro olona iray
Ny teny hoe "trano" dia fibangoan-teny ilazana ny fianakaviana mipetraka ao amin'ilay trano. Io dia azo atao hoe DH: "izay omen'ny fianakavianao voninahitra"
Mametraka io fanontaniana io amin'ny tenany i Ahimeleka mialohan'ny ametrahan'i Saoly izany. avy eo dia valiany avy hatrany izany. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Tsy izao no voalohany nivavahako tamin'Andriamanitra mba hanampy an'i Davida"
Io dia fomba fiteny izay midika hoe "tsia avy hatrany!"
Ataon'i Ahimeleka hoe "mpanomponao" ny tenany. Antsoin'i Ahimeleka hoe "ny mpanjaka" ihany koa i Saoly. Miteny tahaka izany i Ahimeleka mba hanehona fanajana an'i Saoly. DH: "Mba aza raisina ho meloka re ry Saoly Mpanjaka, izaho mpanomponao, na izay rehetra ao an-tranon'ny raiko. Fa tsy mahalala na inona na inona"
mandray ny olona iray ho meloka
Eto ny "ankohonana" dia ilazana ny "fianakaviana." DH: "amin'ny fianakavian-draiko rehetra"
Eto ny "ankohonana" dia ilazana ny "fianakaviana" izay mipetraka ao amin'ilay trano. DH: "ny fianakavian-drainao" na "ny taranaky ny rainao"
"ireo miaramila nijoro teo akaiky mba hiaro azy"
Eto ny hoe "mitodiha" dia midika hoe miala amin'ny mpanjaka. DH: "Mandehana dia vonoy" na "vonoy"
Eto ny teny hoe "tanana" dia ilazana ny asa atao amin'ny tanana. DH: "manampy an'i Davida ihany koa izy ireo"
Eto ny teny hoe "tanana" dia ilazana ny asa atao amin'ny tanana. DH: "tsy manao na inona na inona hamonoana" na "tsy manaiky ny hamono"
Eto ny hoe "mitodiha" dia midika hoe miala amin'ny mpanjaka. Adikao araka ny ao amin'ny 22:16. DH: "mandehana dia vonoy ireo mpisorona ... lasa ka namely" na "vonoy ireo mpisorona ... namely ny mpisorona"
Ireo mety ho heviny dia 1) Doega tenany mihitsy no namono ireo mpisorona na 2) ny teny hoe "Doega" dia fibangoan-teny ilazana an'i Doega sy ireo lehilahy niaraka taminy. DH: "nitodika sy namely ireo mpisorona i Doega sy ny olony ... namono ... nanafihany ... Namono ... izy ireo"
"olona 85" na "mpisorona 85"
"Tamin'ny sabatra"
Eto ny hoe "nanafihany" dia midika hoe namono. DH: "namono olona maro tao amin'ny tanànan'i Noba izy"
Anaran-dehilahy io.
1 Ary hoy izy ireo tamin'i Davida: "Indro, miady amin'i Keila ny Filistina ary mandroba ireo famoloana." 2 Koa nivavaka tamin'i Yaveh Davida mba hanampy azy ka nanontany Azy hoe: "Tokony handeha hanafika an'ireo Filistina ireo ve aho?" Ary hoy Yaveh tamin'i Davida: "Mandehana ary tafiho ireo Filistina ka vonjeo i Keila." 3 Ary hoy ireo lehilahin'i Davida taminy: "Indro, matahotra isika eto Joda. Koa mainka fa handeha ho any Keila ka hiady amin'ireo tafiky ny Filistina?" 4 Dia mbola nivavaka tamin'i Yaveh indray Davida mba hanampy azy. Namaly azy Yaveh hoe: "Mitsangàna, midìna mankany Keila. Fa homeko anao ny fandresena ireo Filistina." 5 Dia nankany Keila i Davida sy ireo lehilahiny ary niady tamin'ireo filistina. Nentiny lavitra ireo biby fiompy ary namely azy ireo tamin'ny famonoana lehibe izy. Ka voavonjin'i Davida ny mponin'ny Keila. 6 Rehefa nandositra tany amin'i Davida tao Keila i Abiatara zanaka lahin'i Ahimeleka, dia nidina niaraka amin'ny efoda teny an-tanany izy. 7 Ary nambara tamin'i Saoly fa nankany Keila i Davida. Hoy i Saoly: "Efa nomen'Andriamanitra ahy ho eo am-pelatanako izy. Ka voahidy ao izy satria niditra tao amin'ny tanàna misy vavahady sy fefy." 8 Nampiantso ny tafiny rehetra i Saoly mba hiady, hidina ho any Keila, ary hanao fahirano an'i Davida sy ireo lehilahiny. 9 Ary fantatr'i Davida fa manao teti-dratsy hanoherana azy i Saoly. Ary hoy izy tamin'i Abiatara mpisorona hoe: "Ento aty ny efoda." 10 Dia hoy i Davida: "Ry Yaveh, Andriamanitry ny Israely, efa ren'ny mpanomponao tokoa fa i Saoly dia mitady hankany Keila, mba handringana ny tanàna nohon'ny amiko. 11 Hanolotra ahy ho eo an-tanany ve ny olon'ny Keila? Hidina ve i Saoly, araka ny ren'ny mpanomponao? Ry Yaveh, Andriamanitry ny Israely, mitalaho aminao aho, miangavy re mba teneno ny mpanomponao." Ary hoy Yaveh hoe: "Hidina izy." 12 Dia hoy i Davida hoe: "Ho atolotry ny olon'i Keila ho eo an-tanan'i Saoly ve izaho sy ireo lehilahiko? Dia hoy Yaveh hoe: "Hanolotra anao izy ireo." 13 Dia niainga i Davida sy ireo lehilahiny, izay tokony ho teo amin'ny eninjato, ka niala avy tao Keila, ary nandeha nifindrafindra toerana. Nambara tamin'i Saoly fa nandositra avy ao Keila izy, ary najanony ny fanenjehana. 14 Nijanona tao anaty fiarovana mafy tany an'efitra i Davida, teny amin'ny tany havoana tany an'efitr'i Zifa. Nikaroka azy isan'andro i Saoly, nefa Andriamanitra tsy nanolotra azy teo an-tanany. 15 Ary hitan'i Davida fa nifofo ny ainy i Saoly; ary efa tany an'efitry ny Zifa any Horesa i Davida. 16 Ary Jonatana, zanaka lahin'i Saoly, niainga ka nankany amin'i Davida tany Horesa, ary nankahery ny tanany tao amin'Andriamanitra. 17 Hoy izy taminy hoe: "Aza matahotra. Fa tsy ho hitan'ny tanan'i Saoly raiko ianao. Ianao no ho mpanjaka eo amin'ny Israely, ary izaho dia ho eo anilanao. Fantatr'i Saoly raiko izany." 18 Nanao fanekena teo anoloan'i Yaveh izy ireo. Dia nijanona tao Horesa i Davida, ary Jonatana nody tany amin'ny fonenany. 19 Ary nanatona an'i Saoly tao Gibea ireo Zifita ka niteny hoe: "Tsy i Davida ve no miafina any aminay ao anatin'ny batery fiarovana mafy any Horesa, any amin'ny havoana Hakila, izay any atsimon'i Jesimona? 20 Ankehitriny midìna, ry mpanjaka! Araka ny sitrakao, midìna! Hanolotra azy ho eo am-pelatananan'ny mpanjaka no anjaranay." 21 Ary hoy i Saoly: "Yaveh anie hitahy anareo. Fa nangoraka ahy ianareo. 22 Mandehana, ataovy azo antoka kokoa. Fantaro sy tadiavo ny toerana izay hiafenany sy izay nahita azy tany. Nambara tamiko fa fetsy tokoa izy. 23 Ka jereo, ary fantaro ireo toerana rehetra izay hanafenany ny tenany. Dia miverena indray aty amiko hilaza marimarina kokoa, dia hiaraka aminareo hiverina aho. Raha any amin'ny tany izy, dia hokarohiko amin'ireo Joda an'arivony rehetra." 24 Avy eo nitsangana izy ireo ka nankany Zifa mialohan'i Saoly. Ary tany amin'ny efitry ny Maona i Davida sy ireo lehilahiny, tany Araba atsimon'i Jesimona. 25 Nandeha nitady azy Saoly sy ny lehilahiny. Fa nambara tamin'i Davida izany, ka nidina tany amin'ny tany havoana be vato izy ary nonina tany an'efitry Maona. Rehefa nandre izany i Saoly, dia nanenjika an'i Davida tany an-tany efitr'i Maona izy. 26 Ary i Saoly nandeha tamin'ny ilan'ny tendrombohitra iray, Davida sy ireo lehilahiny kosa tamin'ny ilany iray hafa. Nandeha faingana i Davida mba hanalavitra an'i Saoly. Raha efa nanodidina an'i Davida sy ny lehilahiny i Saoly sy ny lehilahiny mba haka azy ireo, 27 dia nisy mpitondra teny nanatona an'i Saoly ka hoy izy taminy hoe: "Faingàna ka avia, fa manao fanafihana hanohitra ny tany ireo Filistina." 28 Dia niverina avy tamin'ny fanenjehana an'i Davida i Saoly ary nandeha nifanandrina tamin'ireo Filistina. Noho izany no niantsoana io toerana io hoe: Vatolampin'ny Fandosirana. 29 Niakatra avy tany Davida ka nonina tao amin'ireo fiarovana mafin'i En-jedy.
"Keila" dia anaran-tanàna. eto ny hoe "Keila" dia manondro ireo olona izay monina ao. DH: "miadia amin'ny vahoakan'i Keila"
fanavahana ny voa, izay amin'ny ankapobeny dia avahana amin'ny zava-maniry fanaovana koba na vary amin'ny alalan'ny fitaovana mekanika
Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Hatahotra bebe kokoa isika raha mandeha mankany Keila mba hiady amin'ny tafiky ny Filistina."
I davida no tena ifantohan'ny mpanoratra, koa manondro olona iray ireo teny ireo, na dia nanampy azy hanao ireo zavatra ireo azy ireo lehilahin'i Davida.
Anaran-dehilahy io. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 21:1.
Io dia azo atao hoe DH: "Nisy nilaza tamin'i Saoly" na "Hoy izy ireo tamin'i Saoly"
"nampivory"
"Nangataka i Davida" na "Nivavaka i Davida"
Ataon'i Davida toy ny hoe olon-kafa izy mba hanehoana fanajana an'i Yaveh. DH: "reko tokoa ... araka ny reko ... lazao amiko"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny hery na ny fahefana.
"handresy tanteraka"
"nangataka i Davida" na "nivavaka i Davida"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny hery na ny fahefana.
"600"
Io dia azo atao hoe DH: "Nisy nilaza tamin'i Saoly" na "Hoy izy ireo tamin'i Saoly"
"nitsoaka an'i"
Anarana tany foana akaikin'ny tanànan'i Zifa io.
Ny teny hoe "tanana'' dia ilazana ny fahefana. DH: "tsy namela an'i Saoly hanana fahefana amin'i Davida" na "tsy namela an'i Saoly hanao araka izay niriany amin'i Davida" na "tsy namela an'i Saoly hisambotra an'i Davida"
Fomba fiteny io. DH: "mitady hamono azy"
Anarana tanàna akaikin'i Zifa io.
Fomba fiteny io. DH: "nampahery azy hatoky an'Andriamanitra"
Eto ny "tanana'' dia ilazana an'i Saoly sy ny fahefany. DH: "Fa tsy hahita anao i Saoly raiko" na "Fa tsy ho afaka ny hanana fahefana aminao mihitsy i Saoly raiko"
Anarana vondron'olona avy any Zifa izany.
Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Miafina eto amintsika i Davida ... Jesimona!"
Anarana havoana any an-tany efitr'i Joda izany.
Anarana tany efitra akaikin'ny Ranomasina Maty izany. Io koa dia azo adika hoe "Efitra Jodiana"
Ny teny hoe "tanana" dia ilazana ny fahefana. Miresaka amin'i Saoly toy ny hoe olon-kafa ireo Zifita mba hampisehoana aminy fa manaja azy izy ireo. DH: "hanolotra an'i Davida aminao mba hanaovanao izay rehetra irianao aminy"
Io dia azo atao hoe DH: "Antenaiko fa hitahy anareo Yaveh"
"nolazainareo tamiko izany"
Saika mitovitovy hevitra ihany ireo teny roa ireo ary azo adika ho andian-teny iray. DH: "Fantaro tsara"
Io dia azo atao hoe DH: "Hoy ny olona tamiko hoe" na "Reko fa"
Fomba fiteny io. DH: ''na dia tsy maintsy hisambotra ny olona rehetra ao Joda aza aho" na "eo amin'ny fianakaviam-ben'ny Joda rehetra"
Najanon'izy ireo izay nataony. Tsy tokony hihevitra ny mpamaky fa nipetraka na natory izy ireo.
"Avy eo ireo Zifita"
Anaran-toerana io. Adikao araka ny ao amin'ny 23:23.
Anarana tany efitra akaikin'ny Ranomasina Maty izany. Io koa dia azo adika hoe "Efitra Jodiana." Adikao araka ny ao amin'ny 23:19.
Io dia azo atao hoe DH: "Nisy nilaza tamin'i Davida fa tamy izy ireo" na "Hain'i Davida fa tamy izy ireo"
havoana feno vato na kivatovato
Anarana tany foana manodidina ny tanànan'i Maona ao atsimon'i Joda izany.
Ny teny hoe "Faingàna" sy "miverena" dia azo akambana ho hevitra iray. DH: "Avia haingana"
"fanarahana mba hanatrarana"
tsangambato na mariky ny fandosiran'i Davida an'i Saoly
1 Rehefa niverina avy nanenjika an'ireo Filistina i Saoly, dia nolazaina taminy hoe: "Any an'efitr'i En-jedy i Davida." 2 Avy eo i Saoly dia naka lehilahy telo arivo voafantina avy amin'Israely rehetra ary nandeha nitady an'i Davida sy ireo lehilahy teny amin'ny Vatolampin'ireo Osi-Dia. 3 Nankeo amin'ny valan'ondry teny an-dalana izy, izay nisy zohy iray. Niditra tao mba hanao maloto i Saoly. Ary Davida sy ireo lehilahiny dia nipetraka lavitra tao aoriany tao amin'ny zohy. 4 Hoy ireo lehilahin'i Davida taminy hoe: "Ity no andro izay niresahan'i Yaveh rehefa niteny taminao Izy hoe: 'Hatolotro eo am-pelatananao ireo fahavalonao, mba hanaovanao izay tianao hatao aminy.'" Avy eo Davida nitsangana ary nandady moramora nandroso ka nanapaka ny moron'ny akanjo lavan'i Saoly. 5 Rehefa afaka izany dia nampahory azy ny fon'i Davida satria nanapaka ny moron'ny akanjo lavan'i Saoly izy. 6 Hoy izy tamin'ireo lehilahiny hoe: "Yaveh anie handrara ny hanaovako izao zavatra izao amin'ny tompoko, ilay voahosotr'i Yaveh, dia ny haninjirako ny tanako aminy, raha mahita fa voahosotr'i Yaveh izy." 7 Dia niteny mafy an'ireo lehilahiny tamin'ireo teny ireo Davida, ary tsy namela azy ireo hamely an'i Saoly. Nitsangana i Saoly, nandao ny zohy, ary nandeha tamin'ny lalany. 8 Rehefa afaka izany, dia nitsangana ihany koa Davida, nandao ilay zohy, ary niantso an'i Saoly hoe: "Ry mpanjaka tompoko." Rehefa nijery azy avy ao aoriany i Saoly, dia nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany i Davida ary naneho fanajana azy. 9 Hoy i Davida tamin'i Saoly hoe: "Nahoana ianao no mihaino ireo lehilahy izay manao hoe: 'Indro, mitady hanao ratsy anao Davida?' 10 Ankehitriny hitan'ny masonao ny fomba nametrahan'i Yaveh anao teo am-pelatanako tamintsika tao an-johy. Ny sasany nilaza tamiko mba hamono anao, fa namindra fo taminao aho. Hoy aho hoe: 'Tsy haninjitra ny tanako amin'ny tompoko aho; satria voahosotr'i Yaveh izy.' 11 Indro, ry raiko, jereo ny moron-tongotr'akanjo lavanao eo am-pelatanako. Fa ny antony nanapahako ny moron-tongotr'akanjo lavanao sy tsy namonoako anao, dia mba ho fantatrao sy hitanao fa tsy misy ratsy na fivadihana eto am-pelatanako, ary tsy nanota taminao aho, na dia mihaza ny aiko mba hahafaty ahy aza ianao. 12 Yaveh anie hitsara ahy sy ianao, ary Yaveh anie hamaly faty ahy aminao, fa ny tanako dia tsy tokony hanohitra anao. 13 Araka ny lazain'ny ohabolan'ny ntaolo hoe: 'Avy amin'ny ratsy fanahy no hiavian'ny faharatsiana.' Fa tsy hanohitra anao ny tanako. 14 Ho an'iza no nivoahan'ny mpanjakan'Israely? Iza no enjehinao? Alika maty! Parasy! 15 Yaveh anie ho mpitsara sy hanome fitsaràna ahy sy ianao, ary hijery amin'izany, ary hisolo vava ahy sy hamela ahy handositra amin'ny tananao." 16 Rehefa avy niresaka ireo teny ireo tamin'i Saoly i Davida, dia hoy i Saoly hoe: "Feonao ve izany, ry Davida zanako?" Nanandratra ny feony i Saoly ary nitomany. 17 Hoy izy tamin'i Davida hoe: "Marina kokoa ianao mihoatra ahy. Satria namaly soa ahy ianao, rehefa namaly ratsy anao aho. 18 Nambaranao ankehitriny ny fomba nanaovanao soa tamiko, satria tsy namono ahy ianao raha nataon'i Yaveh teo an-tananao ny aiko. 19 Fa raha misy lehilahy mahita ny fahavalony, dia handefa azy am-piadanana ve izy? Yaveh anie hamaly soa anao amin'izay vitanao tamiko anio. 20 Ankehitriny, fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao ary ho apetraka eo am-pelatananao ny fanjakan'Israely. 21 Mianiana amiko amin'i Yaveh fa tsy hamongotra ireo taranako mandimby ahy ianao, ary tsy hamotika ny anarako hiala amin'ny tranon-draiko." 22 Noho izany dia nanao fianianana tamin'i Saoly i Davida. Avy eo dia nandeha nody i Saoly, fa i Davida sy ireo lehilahiny kosa nandeha niakatra tany amin'ny fiarovana mafy.
Io dia azo adika hoe DH: "nisy nilaza taminy"
En-jedy dia toerana ao Israely andrefan'ny Ranomasina Maty izay misy rano sy tany hay manodidina azy.
3.000
olona nofantenany nohon'ny fahambonian'ny fahakingany amin'ny maha-miaramila
"fefin'ny ondry"
Io dia fanalefahan-teny ilazana ny hoe "hangery" na "hanafoana ny tsinainy"
amin'ny ankapobeny dia lavaka voajanahary any ambany tany, izay matetika dia misokatra eo amin'ny sisin'ny havoana na hantsana
Ny teny hoe "nitsangana" dia fomba fiteny ilazana ny fihetsehana hanao zavatra. DH: "Nihetsika hanao zavatra i Davida; nandady moramora"
nanatona moramora, tam-pitandremana ary mangingina
Fomba fiteny io. DH: "Nalahelo Davida satria nanao zavatra tsy mety"
"ilay iray izay nofidian'i Yaveh mba hitarika ny olony" na "ilay iray izay nataon'i Yaveh ho mpanjaka"
Ny tanana dia fibangoan-teny ilazana ny fahafahana manisy ratsy. DH: "hanisy ratsy azy amin'izay mety ho fomba rehetra"
Fanontaniana fampisainana io. Azo adika ho fanambarana tsotra io. DH: "Ianao dia tsy tokony hihaino ireo olona izay milaza hoe: 'Indro, mitady hanisy ratsy anao i Davida."
Eto ny hoe "masonao" dia manondro an'i Saoly mpanjaka. DH: "Hitanao tamin'ny masonao ihany"
Ny teny hoe "tanana" dia ilazana ny fifehezana. DH: "nametraka anao teo amin'izay nahafahako namono anao na namelako anao ho velona"
Tsy tena rain'i Davida i Saoly. Antsoin'i Davida hoe "raiko" izy mba hanehoana ny fanajany an'i Saoly.
Toy ny hoe zavatra mivaingana izay afaka hazoniny eny an-tanany no firesak'i Davida momba ny ratsy sy ny fivadihana. Eto ny "tanana" dia ilazana ny olona manao zavatra iray. DH: "Tsy nanao fihetsika ratsy taminao aho, na nikomy taminao"
Ny tanana dia fibangoan-teny ilazana ny fahafahana manisy ratsy. Jero ny nandikanao ny andian-tany mitovy amin'izany ao amin'ny 24:5. DH: "Tsy hanisy ratsy anao amin'izay mety ho fomba rehetra aho"
Azo atao andian-teny misy anarana io mpamaritra anarana io. DH: "olona izay niaina efa taloha ela be"
Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo adika ho fanambarana tsotra. Rehefa mametra ny fanontaniana i Davida, dia fantany fa izy ihany no hamaly ilay fanontaniana. DH: "Avelao aho hilaza aminao izay ivoahan'ny mpanjakan'Israely ho enjehina. Avelao aho hilaza aminao izay enjehinao."
Ny teny hoe "alika maty" dia sarinteny ilazana ny olona tsy manan-kery. Io fehezanteny io dia azo atao feno. DH: "Manenjika olona tsy manan-kery tahaka ny alika maty ianao"
Ny teny hoe "parasy" dia sarinteny ilazana ny polona izay tsy raisin'ny hafa ho manan-danja. DH: "Manenjika olona tsy manan-danja tahaka ny parasy ianao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "hanao izay marina, ary hisolo vava ahy" na 2) "hahita fa marina ny adiko ary hiady ho ahy"
Ny teny hoe "tanana" dia ilazana ny fahefana. DH: "mba tsy hanananao fahefana amiko"
Ataon'i Saoly toy ny hoe zanany i Davida mba hampisehoana amin'i Davida fa tiany izy.
Soratan'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona asandratra amin'ny tanana ny feo. DH: "nitomany mafy"
Miaiky i Saoly fa nampiseho ny fanohanany an'i Saoly i Davida ary tsy nivadika taminy tamin'ny famonoana azy.
Miaiky i Saoly fa nisafidy ny haneho indrafo ary nampiharihary ny tsy fivadihany tamin'i Saoly Mpanjaka amin'ny maha-voahosotr'i Yaveh azy i Davida.
Ity dia fanontaniana fampisainana izay misy valiny tafiditra ao amin'ny fanontaniana. DH: "Fa raha hitan'ny olona ny fahavalony, dia tsy ho avelany andeha am-pilaminana izy."
Rehefa nino i Saoly fa fahavalony i Davida, dia fantany fa na dia ho mpanjaka aza i Davida, dia tsy haka ny fiandrianana amin'i Saoly an-keriny, fa hiandry ny fotoana voatendrin'i Yaveh.
Ireo mety ho heviny dia 1) Hanambina ny fanjakan'Israely amin'ny alalan'ny heriny amin'ny maha-mpanjaka azy i Davida. DH: "hiroborobo ny fanjakan'Israely rehefa manapaka ny vahoaka Israelita ianao" na 2) Hataon'i Yaveh manana fahefana tanteraka eo amin'ny fanjakan'Israely i Davida. DH: "hanana fahefana feno eo amin'ny fanjakan'Israely ianao"
Ny teny hoe "tanana" dia ilazana ny hery na fahefana.
"tsy ho vonoinao ny zanako sy ny fianakaviany." Efa nahazatra ho an'ny mpanjaka vaovao izay tsy avy amin'ny firazanan'ilay mpanjaka teo aloha ny mamono ny zanak'ilay mpanjaka teo aloha mba hisorohana ny fihantsian'ny iray amin'ireo haka ny fiandrianana.
Zava-dehibe ho an'ny fianakaviana tsirairay ao Israely ny manana taranaka avy amin'ny taranaka rehetra mifandimby mba hitondra ny anaran'ny fianakaviana sy ny handova ny tany. DH: "tsy ho ringaninao ny fianakaviako sy ny taranany" na "havelanao ho velona ny fianakaviako"
"Davida sy ny tafiny"
1 Ary nodimandry i Samoela. Niara-niangona ny Israely rehetra ary nisaona azy, dia nalevin'izy ireo tany an-tranony tany Rama izy. Dia niainga i Davida ary nidina nankany an'efitr'i Parana. 2 Nisy lehilahy iray tany Maona, izay tany Karmela ny fananany. Tena nanan-karena ilay lehilahy. Nanana ondry telo arivo sy osy arivo izy. 3 Nanety ny ondriny tany Karmela izy. Nabala no anaran'ilay lehilahy, ary ny anaran'ny vadiny dia Abigaila. Naranin-tsaina ilay vehivavy ary tsara endrika. Fa ilay lehilahy kosa masiaka sady ratsy tamin'ny fitondrany. Taranaky ny ankohonan'i Kaleba izy. 4 Ren'i Davida tany an'efitra fa nanety ny ondriny i Nabala. 5 Koa dia nandefa tovolahy folo izy. Dia hoy Davida tamin'ireo lehilahy: "Miakara any Karmela, mandehana any amin'i Nabala, ary miarahabà azy amin'ny anarako. 6 Lazaonareo aminy hoe: 'Miveloma anaty fanambinana. Fiadanana anie ho anao ary fiadanana anie ho an'ny ankohonanao, ary fiadanana anie ho an'izay rehetra hanananao. 7 Reko fa manana mpanety maro ianao. Efa niaraka taminay ireo mpiandry ondrinao, ary tsy mba nanisy ratsy azy ireo izahay, ary tsy nisy na inona na inona tsy ampy tamin'izy ireo fony tany Karmela. 8 Anontanio ny zatovo lahinao, dia ho lazain'izy ireo aminao. Ary avelao ireo zatovo lahiko hahita sitraka eo imasonao, fa tsy maintsy tonga izahay amin'ny andro fety. Mba omeo re na inona na inona hanananao eo an-tananao ho an'ireo mpanomponao ary ho an'i Davida zanaka lahinao."' 9 Rehefa tonga ny zatovolahin'i Davida, dia nolazain'izy ireo tamin'i Nabala ho an'i Davida avokoa izany rehetra izany, avy eo dia niandry izy ireo. 10 Namaly ireo mpanompon'i Davida i Nabala nanao hoe: "Iza moa izany Davida, ary iza izany zanaka lahin'i Jese? Nisy mpanompo maro izay nisara-dàlana tamin'ny tompon'izy ireo tamin'izany andro izany. 11 Tokony haka ny mofoko sy ny ranoko ary ny henako izay efa novonoiko ho an'ny mpanetiko ve aho, ary hanome izany ho an'ny olona izay tsy fantatro akory hoe avy aiza?" 12 Ka dia niverina ary nandeha nody ny zatovolahin'i Davida, ary niteny izay rehetra voalaza taminy. 13 Dia hoy Davida tamin'ireo olony: "Apetaho ny sabatry ny olona tsirairay." Ka dia nametaka ny sabany ny olona tsirairay. Dia nametaka ny sabany ihany koa i Davida. Lehilahy teo amin'ny efajato teo no nanaraka an'i Davida, ary roanjato no nijanona teo akaikin'ny entana. 14 Fa niresaka tamin'i Abigaila, vadin'i Nabala, ny iray tamin'ireo olona, nanao hoe: "Nandefa iraka maro avy any an'efitra mba hiarahaba ny tomponay i Davida, ary notsiratsirainy izy ireo. 15 Kanefa tena tsara taminay tokoa ny olona. Fa tsy nisy ratsy nanjo anay ary tsy nisy tsy ampy taminay raha mbola nandeha niaraka tamin'izy ireo koa izahay fony tany amin'ireo saha. 16 Manda ho anay izy ireo na andro na alina, nandritra izay niarahanay tamin'izy ireo niandry ny ondry. 17 Noho izany fantaro izany ary hevero izay ho ataonareo, fa misy ratsy kasaina hatao amin'ny tomponay, sy ny ankohonany. Dia ny ratsy fanahy tokoa izy hany ka tsy misy iray afaka miteny azy." 18 Avy eo Abigaila naka mofo roanjato faingana, divay roa tavoahangy, ondry voavoatra dimy, fatran-dango maina dimy, mofo voaloboka zato, sy ampempan'aviavy roanjato, ary napetrany teo ambon'ireo boriky ireo. 19 Dia hoy izy tamin'ny zatovolahiny: "Mandehana eo alohako, dia hanaraka anao aho avy eo." Saingy tsy niteny tamin'i Nabala vadiny izy. 20 Rehefa nitaingina ny borikiny izy dia nidina akaikin'ny havoana, Davida sy ireo olony nidina nankeny aminy, ary nifankahita tamin'izy ireo izy. 21 Ary niteny Davida hoe: "Tena zava-poana no niambenako izay rehetra nananan'io lehilahy io tany an'efitra, fa tsy nisy na inona na inona very izay rehetra azy, dia novaliany ratsy ny soa nataoko azy. 22 Hanao toy izany amiko anie Andriamanitra, ry Davida, ary mihoatra aza, raha mamela na dia lehilahy iray amin'ireo izay azy aho mandra-maraina." 23 Rehefa nahita an'i Abigaila i Davida, dia nidina faingana avy eo amin'ny borikiny ary nandohalika sady niondrika ary nampiankohoka ny tenany teo amin'ny tany teo anatrehan'i Davida. 24 Nandohalika teo amin'ny tongony izy ary nanao hoe: "Ho amiko irery ihany, ry tompoko, ny fahamelohana. Avelao re ny mpanomponao mba hiresaka aminao, ary mihainoa ireo tenin'ny mpanomponao. 25 Aoka tsy hijery an'io Nabala, lehilahy ratsy fanahy io ny tompoko, fa araka ny anarany, dia toy izany ihany izy. Nabala no anarany, ary miaraka aminy ny hadalana. Fa izaho mpanomponao dia tsy nahita ireo zatovolahin'ny tompoko, izay nalefanao. 26 Ankehitriny ary, ry tompoko, raha mbola velona koa i Yaveh, ary raha mbola velona koa ianao, satria narovan'i Yaveh tamin'ny fandatsahan-drà, sy tamin'ny famalian'ny tenanao tamin'ny tananao ihany ianao, dia aoka ireo fahavalonao, sy ireo izay mitady hanao ratsy amin'ny tompoko, ho tahaka an'i Nabala. 27 Ary aoka ity fanomezana izay efa nentin'ny mpanomponao tamin'ny tompoko ity mba hatolotra ho an'ireo zatovolahy izay manaraka ny tompoko. 28 Mba avelao re ny fahadisoan'ny mpanomponao, fa hanangana fonenana azo antoka ho an'ny tompoko tokoa i Yaveh, satria miady ny adin'i Yaveh ny tompoko; ary ny ratsy dia tsy ho hita eny aminao raha mbola velona koa ianao. 29 Na dia mitsangana hanenjika mba hanaisotra ny ainao aza ireo lehilahy, dia efa ho fehezin'i Yaveh Andriamanitrao amin'ny fatoran'ny velona ny ain'ny tompoko; ary ho atsipiny ny ain'ireo fahavalonao, eo amin'ny foitran'ny antsamotady. 30 Dia ho ataon'i Yaveh amin'ny tompoko ireo rehetra nampanantenainy anao, araka ny nanendreny anao ho mpitondra eo amin'ny Israely. 31 Tsy ho enta-mavesatra ho anao—ny nandatsahanao rà tsy manan-tsiny, na nohon'ny nanandraman'ny tompoko hanavotra ny tenany. Fa rehefa hanao soa ho an'ny tompoko i Yaveh, dia tsarovy ny mpanomponao." 32 Dia hoy i Davida tamin'i Abigaila: "Isaorana anie Yaveh, Andriamanitr'Israely, Izy ilay nandefa anao hihaona amiko anio. 33 Ho tahiana ny fahendrenao, ary ho tahiana ianao, satria efa narovanao tamin'ny fandatsahan-drà sy famaliana faty ny tenako tamin'ny tanako ihany aho! 34 Fa raha ny marina, raha mbola velona koa i Yaveh, Andriamanitr'Israely, Izy ilay niaro ahy tsy handratra anao, raha tsy nandeha faingana hihaona amiko ianao, dia tsy ho nisy niangana ho an'i Nabala afa-tsy zaza lahy kely iray ny maraina." 35 Koa dia nandray izay nentiny ho azy avy amin'ny tanany i Davida; hoy izy taminy: "Mandehana am-piadanana any amin'ny ankohonanao; indro, efa nihaino ny feonao aho, ary efa nanaiky anao." 36 Dia niverina tany amin'i Nabala i Abigaila; indro, nanao fanasana tao an-tranony izy, toy ny fanasan'ny mpanjaka; ary ny fon'ny mpanjaka faly tao anatiny, satria mamo tanteraka izy. Ka tsy niteny na inona na inona izy mandra-parain'ny andro. 37 Nony maraina, rehefa nisava ny divain'i Nabala, dia nolazain'ny vadiny taminy ireo zavatra ireo; dia nilofika tao anatiny ny fony, ary nanjary toy ny vato izy. 38 Ary folo andro taty aoriana dia namely an'i Nabala i Yaveh ka maty izy. 39 Rehefa ren'i Davida fa nodimandry i Nabala, dia hoy izy: "Isaorana anie Yaveh, ilay nanala ny faniratsirana ahy avy amin'ny tanan'i Nabala, sy niaro ny mpanompony tamin'ny ratsy. Nampody ny ratsy nataon'i Nabala teo amin'ny lohany ihany izy." Avy eo Davida naniraka ary niresaka tamin'i Abigaila, mba haka azy ho vady. 40 Rehefa tonga tany amin'i Abigaila tany Karmela ireo mpanompon'i Davida, dia niresaka taminy izy ireo ary nanao hoe: "Nandefa anay ho aty aminao i Davida mba haka anao ho vadiny." 41 Dia nitsangana izy, nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany, ary nanao hoe: "Indro, ny mpanompo vavinao dia mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon'ny tompoko." 42 Dia nitsangana faingana i Abigaila, ary nitaingina ny boriky niaraka tamin'ireo mpanompo vaviny dimy izay nanaraka azy; ary nanaraka ireo irak'i Davida izy ka lasa vadiny. 43 Dia nalain'i Davida ho vadiny ihany koa Ahinoama Jezirela; dia samy lasa vadiny izy roa. 44 Ary koa, Saoly nanolotra an'i Mikala zanany vavy, vadin'i Davida, ho an'i Palty zanaka lahin'i Laisa, izay avy any Galima.
Mety ho fanaovana bango tokana io. Mety ho nisy vahoakan'Israely maro dia maro teo, saingy mety maro no tsy afa-nanatrika.
"niara-nivory"
Ireo mety ho heviny dia 1) tany amin'ny tany niaviany tao Rama na 2) tany amin'ny tanin'ny fianakaviany fa tsy tao an-tranony mivantana na 3) tao an-tranony tao Rama, no nandevenan'izy ireo an'i Samoela.
"Nandroso ireo lehilahin'i Davida ary nandeha nidina"
Mety ilain'ny mpandika teny sasany ny mandrafitra ny hevitra amin'ny fomba hafa eto amin'ireto andininy ireto. DH: "Nisy lehilahy iray izay Nabala no anarany, taranaky ny ankohonan'i Kaleba, izay mpanefoefo tokoa. Nipetraka tany Maona izy, saingy tany Karmela ny fananany. Nanana ondry telo arivo sy osy arivo izy. Nasiaka sady ratsy tamin'ny fitondrany io lehilahy io. Abigaila no anaran'ny vadiny. Naranin-tsaina sady tsara endrika io vehivavy io. Ary nanety ny ondriny tao Karmela izy."
Anarana vohitra io.
Anarana vohitra io. Samihafa amin'ny Tendrombohitra Karmela io.
3.000
"nanaratra ny volon'ny ondriny"
Anaran-dehilahy io.
Anaram-behivavy io.
Eto ny "ankohonana" dia ilazana ny fianakaviana. DH: "Taranaky ny fianakavian'i Kaleba izy" na "Taranak'i Kaleba izy"
"nanaratra ny volon'ny ondriny"
"miarahabà azy tahaka ny ho fiarahabako azy raha tany aho"
"Iriako ny hiainanao amin'ny fanambinana." Ny anarana hoe "fanambinana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "Iriako ny hanananao zava-tsoa maro raha mbola velona koa ianao"
"Iriako mba ho tonga aminao, ny ankohonanao ary ny fanananao ny fiadanana"
"miasa ireo mpanetinao" na "manana ondry ho hetezana ny mpanetinao." Tian'i Davida mba hiteny ireo olony mba hahafantaran'i Nabala fa tsy maninona ny ondriny satria nanampy tamin'ny fiandrasana azy ireo ny olon'i Davida.
Manindro ny fomba nanomezany sy ireo olony fiarovana ho an'ny mpanompon'i Nabala sy ny biby fiompiny i Davida. Io dia azo atao hoe DH: "niaro azy ireo sy ny fananany rehetra tamin'ny ratsy izahay"
Eto ny maso dia maneho ny fahitana, ary ny fahitana dia maneho ny fihevitra na fitsarana. DH: "hankasitraka ireo zatovolahiko anie ianao" na "ho raisinao am-pankasitrahana anie ireo zatovolahiko"
Naneho fanajana tamin'i Nabala tamin'ny fiantsoana ny olony ho mpanompon'i Nabala i Davida.
Miresaka toy ny hoe zanak'i Nabala i Davida mba hanehoany fa nanaja an'i Nabala, izay efa olon-dehibe izy.
"ny tafik'i Davida"
"nanome ny hafatra fenon'i Davida tamin'i Nabala"
Mety ho fantatr'i Nabala hoe iza i Davida, saingy tsy te-hanampy azy izy. (jereo ny 18:6). Ny teny hoe " mpanompon'i ... nisara-dàlana tamin'ny tompon'izy ireo" ao amin'ny andininy faha 10 dia mety manondro an'i Davida nisaraka tamin'i Saoly. Ireo fanontaniana famoisainana roa ireo dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Izao Davida zanaka lahin'i Jese lazainao izao—dia tsy mba fantatro." na "Tsy fantatro hoe iza izany Davida izany, dia tsy hanao izay lazainy aho. Tsy haiko hoe iza izany Jese izany, dia tsy raharahako izay mahazo ny zanany."
"nandositra" na "nikomy tamin'ny"
Eto ny "mofo" dia fomba fiteny ilazana izay mety ho hanina rehetra.
"rehefa tsy fantatro izay niavian'izy ireo" na "olona izay tsy fantatro"
Io dia azo atao hoe DH: "izay voalazan'i Nabala"
"tamin'ny tafiny"
Raha tsy fantatra amin'ny fiteninao ny sabatra, dia azonao atao fibangoan-teny ilazana ny fiomnana ho amin'ny ady ny hoe "apetaho ny sabatra." DH: "'Mivonona ho amin'ny ady, ry lehilay rehetra.' Ary dia niomana ho am'ny ady ny olona rehetra. Niomba ho amin'ny ady ihany koa i Davida"
400
200
Nitoetra tany an-tobiny izy ireo mba hisorohana ireo mpanafika hafa tsy hangalatra ny fananan'izy ireo.
Mety ilainao ny manazava izay nataon'ilay tpvolahy talohan'ny niresahany tamin'i Abigaila. DH: "Nisy iray tamin'ny olon'i Nabala nahalala izay nokasain'i Davida sy ny olony hatao, koa dia nankany amin'i Abigaila vadin'i Nabala izy"
Io dia azo atao hoe DH: "Tsy nisy naninona anay" na "Nilamina izahay"
"tsy nisy na inona na inona very taminay rehefa niaraka tamin'izy ireo." Nisakana ny bibidia sy ireo olona hafa tsy hangalatra ny biby fiompin'i Nabala ireo olon'i Davida.
Tahaka ny manda manondidina ny tanàna izay miaro ny olona ao amin'io tanàna io amin'ny fahavalony ireo lehilahin'i Davida.
Mitandrina tsara mba tsy hilaza ny anaran'izay mikasa hanao ilay ratsy ilay miteny. Io dia azo adika hoe DH: "misy mitetika hanao zava-dratsy amin'ny tomponay"
Ataon'ilay miteny toy ny hoe olon-kafa i Davida mba hanehoana ny fanajany an'i Davida. DH: "ianao"
200
Ny mofo dia mofomamy. Mety ilainao ny manazava hoe inona ilay mofo.
"izay efa nisy nahandro" na "vonona ho andrahoina"
Fiteny amin'ny ankapobeny io satria tsy nisy fatra nomena.
"voa izay efa nisy nahandro"
"Davida sy ny tafiny"
Ireo mety ho heviny dia 1) ao amin'ny fitoeran-drano mikoriana kely sady marivo na 2) tany amin'izay niafenan'ireo lehilahy.
Manome andinindininy fampahafantarana ny mpanoratra mialohan'ny hanohizany ny tantara.
Mila azon'ny mpamaky fa nilaza ireo teny ireo Davida talohan'ny nilazany hoe: "Apetaho ny sabatry ny olona tsirairay" ao amin'ny 25:12.
Ny teny hoe "Ary" dia mampiseho fa nitsahatra ny fanoratana momba an'i Abigaila ny mpanoratra ary manomboka manoratra momba an'i Davida.
Io dia azo atao hoe DH: "mbola any aminy avokoa izay rehetra azy"
Ny lahatsoratra Hebreo dia misy hoe "Hamely ny fahavalon'i Davida anie Andriamanitra," ary ny dikan-teny sasany dia manaraka izany. Na izany aza, ny vakin-tenin'ny UDB dia manaraka ny fomba Grika ao amin'ny Testamenta Taloha, tahaka ny ataon'ny dikan-teny vaovao sasany.
"ny olona rehetra izay azy" na "ireo izay ao amin'ny fianakaviany"
Vita ny fanomezan'ny mpanoratra ny andinindininy fampahafantarana, koa dia manohy ny tantara izy.
Nanetry tena i Abigaila ary nampiseho fa hankatoa an'i Davida satria mpitondra mahery izy.
"ianao ... ny teniko." Ataon'i Abigaila toy ny olon-kafa ny tenany sy Davida mba hanehoana ny fanajany an'i Davida.
Manohy manoro hevitra an'i Davida mba tsy hamaly faty i Abigaila.
Ataon'i Abigaila toy ny hoe olona roa samihafa ny tenany sy Davida mba hampisehoana fa manaja an'i Davida izy. DH: "Aza raisina .. aho ... ireo zatovolahinao ... tompoko ... ianao"
Mety ilaina ny manazava izay ho nataon'i Abigaila. DH: "Fa raha ... nahita... izay nalefanao, dia nomeko sakafo izy ireo"
famonoana
Ny tanana dia ilazana izay ataon'ny olona amin'ny tanana. Raisin'i Abigaila fa tokony hamela an'i Yaveh hanao ny valifaty ho azy i Davida. DH: "fanaovan'ny tenanao ny valifaty fa tsy mamela an'i Yaveh hanao izany"
Toy ny hoe efa nofaizin'i Yaveh i Nabala no firesak'i Abigaila. DH: "Antenaiko mba Yaveh no hanafay ny fahavalonao ... tahaka ny hamaizany an'i Nabala"
Manohy mteny amin'i Davida mba tsy ho tezitra i Abigaila.
Ilay "fanomezana" amin'ny tena izy dia karazan-javatra maro.
Ataon'i Abigaila toy ny hoe olona roa samihafa ny tenany sy Davida mba hampisehoana fa manaja an'i Davida izy. DH: "izaho ... ianao ... ianao ... ny fahadisoako ... ianao ... ianao"
Maneho fanajana an'i Davida i Abigaila. Io dia azo adika hoe DH: "mba omeo an'ireo zatovolahy anie ity" na "aoka ny tompoko hanome ity ho an'ireo zatovolahy"
Eto ny "fonenana" dia fomba fiteny ilazana ny "taranaka." DH: "Hataon'i Yaveh azo antoka fa manana taranaka izay ho mpanjaka lalandava ny tompoko"
"miady amin'ny fahavalon'i Yaveh"
Io dia azo adika hoe DH: "tsy hisy hahita anao hanao zavatra ratsy mihitsy" na "tsy hanao zava-dratsy mihitsy ianao"
Ny fiainan'i Davida dia resahin'i Abigaila toy ny hoe zavatra lava dy manify izay afaka atambatry ny olona amin'ny zavatra lava sy manify iray hafa ary afatotra amin'ny fehin-tady. Io dia azo adika hoe DH: "Hafatotr'i Yaveh Andriamanitrao amin'ny fiainan'ny velona ny fiainan'ny tompoko" na "Hahavelona anao miaraka amin'ireo izay velona i Yaveh Andriamanitra"
Ataon'i Abigaila toy ny hoe olona roa samihafa ny tenany sy Davida mba hampisehoana fa manaja an'i Davida izy. DH: "ny ainao"
Ny fahavalon'i Davida dia resahin'i Abigaila toy ny hoe zavatra kely tahaka ny vato izay azo atao ao amin'ny antsamotady ka atsipy lavitra. DH: "hamono ny fahavalonao mora foana tahaka ny fanipazan'ny olona lavitra ny vato amin'ny antsomtady i Yaveh"
hodi-biby misy tady lava eo amin'ny zorony roa, izay azon'ny olona ametrahana vato na zavatra kely, mafy hafa ary atsipy lavitra
Manohy mandresy lahatra an'i Davida i Abigaila.
Ataon'i Abigaila toy ny hoe olona roa samihafa ny tenany sy Davida mba hampisehoana fa manaja an'i Davida izy. "ianao ... ianao ... ianao ... aho"
Ambaran'i Abigaila fa raha misafidy ny tsy hanao valifaty i Davida dia hanana fieritreretana madio rehefa ataon'i Yaveh mpanjakan'Israely. DH: "Ho faly lalandava ianao fa nanao araka izay nataonao"
Izany hoe, rehefa tena mametraka azy ho mpanjaka Yaveh aorian'ny fahataperan'ny fiandrianan'i Saoly.
1 Tonga tany amin'i Saoly tany Gibea ireo Zifita ary niteny hoe: "Tsy miafina any amin'ny lohasahan'i Hakila, izay mifanatrika amin'i Jesimona ve i Davida?" 2 Dia niainga i Saoly ka nidina nankany amin'ny efitr'i Zifa, nitondra lehilahin'Israely voafantina telo arivo niaraka taminy, mba hitady an'i Davida any an-tany efitr'i Zifa. 3 Nitoby teo amin'ny havoan'i Hakila i Saoly, izay nanatrika an'i Jesimona, teo amoron-dalana. Fa nitoetra tany an'efitra i Davida, ary hitany fa tamy hitady azy tany an'efitra i Saoly. 4 Koa naniraka mpitsikilo i Davida ka nahafantatra fa tena tonga tokoa i Saoly. 5 Nitsangana i Davida ary nandeha tany amin'ny toerana izay nitobian'i Saoly; hitany ilay toerana nandrian'i Saoly, sy Abnera zanak'i Nera, ilay jeneralin'ny tafiny; nandry tao an-toby i Saoly, ary nitoby nanodidina azy ireo olona, samy sondrian-tory avokoa. 6 Dia hoy i Davida tamin'i Ahimeleka Hitita, sy tamin'i Abisay zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba hoe: "Iza no handeha hidina ho any amin'i Saoly ao an-toby miaraka amiko?" Hoy Abisay hoe: "Izaho! Hidina miaraka aminao aho." 7 Koa nankany amin'ny tafika i Davida sy Abisay ny alina. Natory tao an-toby niaraka tamin'ny lefony nitsatoka tamin'ny tany teo akaikin'ny lohany i Saoly. Nandry nanodidina azy i Abnera sy ireo miaramilany. 8 Dia hoy Abisay tamin'i Davida hoe: "Napetrak'Andriamanitra ho eo an-tananao ny fahavalonao anio. Avelao re aho izao hanindrona azy ho amin'ny tany indray mamely monja amin'ny lefona. Tsy hamely azy fanindroany akory aho." 9 Hoy Davida tamin'i Abisay hoe: "Aza mamono azy; fa iza no afaka maninjitra ny tanany hamely ilay voahosotr'i Yaveh ka tsy ho meloka?" 10 Hoy i Davida hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia Yaveh no hamono azy, na ho tonga ny andro hahafatesany, na handeha hiady izy ka ho faty. 11 Ho raràn'i Yaveh anie ny haninjirako ny tanako hamely ilay voahosony; fa ankehitriny, miangavy aminao aho, raiso ny lefona izay eo an-dohany sy ny sinin-drano, ary andao andeha." 12 Koa dia nalain'i Davida avy teo an-dohan'i Saoly ilay lefona sy ilay sinin-drano, dia niala izy ireo. Tsy nisy nahita azy ireo na nahalala momba izany, na nisy olona nifoha, fa resin-tory avokoa izy ireo, satria nilatsaka tamin'izy ireo ny torimaso lalina avy amin'i Yaveh. 13 Dia nandeha teny ampita i Davida ary nijoro teo an-tampon'ny tendrombohitra lavitra teny; nisy halavirana lehibe nanelanelana azy ireo. 14 Nitabataba mafy tamin'ireo vahoaka sy Abnera zanak'i Nera i Davida; hoy izy hoe: "Tsy mamaly ve ianao, ry Abnera?" Dia namaly Abnera ka nanao hoe: "Iza ianao izao miantsoantso ny mpanjaka izao?" 15 Hoy Davida tamin'i Abnera hoe: "Tsy enao ve ilay lehilahy be herim-po? Iza no tahaka anao eto Israely? Nahoana ary ianao no tsy niambina ny mpanjaka tomponao? Fa nisy olona niditra hamono ny mpanjaka tomponao. 16 Tsy tsara izao zavatra nataonao izao. Raha mbola velona koa Yaveh, dia mendrika ny ho faty ianao satria tsy niambina ny tomponao, dia ilay voahosotr'i Yaveh. Ankehitriny dia jereo izay misy ny lefon'ny mpanjaka sy ny sinin-drano teo akaikin'ny lohany!" 17 Nahatsiaro ny feon'i Davida i Saoly ka nanao hoe: "Feonao ve izany, ry Davida zanako lahy?" Hoy Davida hoe: "Feoko izany, ry mpanjaka, tompoko." 18 Hoy izy hoe: "Nahoana no manenjika ny mpanompony ny tompoko? Inona re no nataoko? Inona no ratsy eo an-tanako? 19 Ankehitriny ary, miangavy aminao aho, aoka ny tompoko mpanjaka hihaino ny tenin'ny manompony. Raha Yaveh no nampientana anao hanohitra ahy, aoka Izy hanaiky fanatitra iray; fa raha olombelona izany, dia ho voaozona eo imason'i Yaveh anie izy, fa nandroaka ahy izy ireo androany, mba tsy hifikirako amin'ny lovan'i Yaveh; hoy izy ireo tamiko hoe: 'Mandehana manompo andriamani-kafa.' 20 Ankehitriny ary, aza avela ho very eo amin'ny tany lavitry ny fanatrehan'i Yaveh ny ràko; fa efa nivoaka hitady ilay parasy kely iray tahaka ny hihazan'ny olona tsipoy iray any amin'ireo tendrombohitra ny mpanjakan'Israely." 21 Dia hoy i Saoly hoe: "Nanota aho. Miverena, ry Davida, zanako lahy; fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, satria sarobidy teo imasonao ny aiko androany. Indro, niadaladala aho ary nanao fahadisoana ratsy indrindra." 22 Namaly i Davida ka nanao hoe: "Indro, ity ny lefonao, ry mpanjaka! Aoka hisy iray amin'ireo tovolahy hiampita ary haka izany ka hitondra izany any aminao. 23 Yaveh anie hamaly ny olona tsirairay nohon'ny fahamarinany sy ny fahatokiany avy; satria nametraka anao teo an-tanako Yaveh androany, saingy tsy namely ny voahosony aho. 24 Indro, toy ny naha-sarobidy ny ainao teo imasoko androany, dia enga anie ka homen-danja eo imason'i Yaveh tahaka izany ny aiko, ary hanavotra ahy amin'ny fahoriana rehetra anie Izy." 25 Dia hoy i Saoly tamin'i Davida: "Ho tahiana anie ianao, ry Davida zanako! Hanao zavatra lehibe tokoa ianao ary ho ambinina amin'izany." Koa nizotra tamin'ny lalany i Davida, ary niverina tany amin'ny toerany i Saoly.
1 Niteny tao am-pony i Davida hoe: "Ho fatin'ny tanan'i Saoly aho indray andro any; tsy misy soa ho ahy afa-tsy ny mandositra mankany amin'ny tanin'ireo Filistina; tsy hitady ahy eran'ny fari-tanin'ny Israely rehetra intsony i Saoly; amin'izany lalana izany no handosirako hiala amin'ny tanany." 2 Nitsangana i Davida ary niainga, izy sy ireo lehilahy enin-jato izay niaraka taminy, ho any amin'i Akisy zanak'i Maoka, mpanjakan'i Gata. 3 Nonina niaraka tamin'i Akisy tao Gata i Davida, izy sy ireo lehilahiny, ny lehilahy tsirairay miaraka amin'ny ankohonany avy, ary Davida miaraka amin'ireo vadiny roa, Ahinoama Jerizelita sy Abigaila Karmelita, vadin'i Nabala. 4 Nambara tamin'i Saoly fa nandositra any Gata i Davida, ka tsy nitady azy intsony izy. 5 Hoy i Davida tamin'i Akisy: "Raha nahita fitia teo imasonao aho, aoka izy ireo hanome toerana ao amin'ny tanàna iray eo amin'ny firenena ho ahy, ka hahafahako monina any: fa nahoana ny mpanomponao no hiara-hitoetra ao an-tanànan'ny mpanjaka miaraka aminao?" 6 Dia nomen'i Akisy azy ny androtr'io Ziklaga; izany no antony nahatonga an'i Ziklaga ho an'ny mpanjakan'i Joda nanomboka tamin'izany andro izany indrindra. 7 Herintaona feno sy efa-bolana no isan'ny andro izay nonenan'i Davida tany amin'ny tanin'ireo Filistina. 8 Ary toerana maro isan-karazany no notafihan'i Davida sy ireo lehilahiny, nanao fanafihana tany Gesorita, Gizrita, ary Amalekita; satria ireo firenena ireo dia mponina tao amin'ny tany, raha hankany sora, ka hatrany amin'ny tany Egypta ianao. Efa nonina tany izy ireo fahiny. [1]9 Nanafika ny tany Davida ary tsy nisy navelany ho velona na lehilahy na vehivavy; nentiny ny ondry, ny omby, ny ampondra, ny rameva, ary ny fitafiana; ary niverina ho any amin'i Akisy indray izy. 10 Dia hoy i Akisy hoe: "Iza no notafihanareo androany?" Dia namaly i Davida hoe: "Ny atsimon'i Joda," na "Ny atsimon'ireo Jaramelita," na "Ny atsimon'ireo Kenita." 11 Tsy nisy navelan'i Davida ho velona mba ho entina any Gata na lehilahy na vehivavy, fa hoy izy hoe: "Mba tsy hahafahan'izy ireo miteny hoe: 'Manao izao sy izao Davida." Izany no nataony nandritra ny fotoana rehetra nonenany tany amin'ny firenen'ireo Filistina. 12 Nino an'i Davida i Akisy ka nanao hoe: "Efa nataony izay hankahalan'ny Israely vahoakany azy tanteraka; noho izany dia ho mpanompoko mandrakizay izy."
1 Ary tamin'ireo andro ireo ny Filistina dia nampivondrona ireo tafiny hiady amin'ny Israely. Hoy i Akisy tamin'i Davida: "Fantaro tsara fa hivoaka hiaraka amiko ho any an-toby, ianao sy ireo lehilahinao." 2 Hoy i Davida tamin'i Akisy: "Ho fantatrao izay afaka hataon'ny mpanomponao." Hoy Akisy tamin'i Davida hoe: "Koa hataoko mpiambina ahy raikitra ianao." 3 Ary maty i Samoela, ary ny Israely rehetra nisaona azy ka nandevina azy tao Rama, tao amin'ny tanàny. Nofongoran'i Saoly tsy ho eo amin'ny tany ihany koa ireo izay niresaka tamin'ny maty na tamin'ireo fanahy. 4 Ary nivondrona niaraka ireo Filistina ary tonga sy nitoby tao Sonema; ary Saoly nampivondrona ireo Israely rehetra, ka nitoby tao Gilboa izy ireo. 5 Rehefa nahita ny tafik'ireo Filistina i Saoly, dia natahotra izy, ary nihorohoro mafy ny fony. 6 Nitalaho fanampiana tamin'i Yaveh i Saoly, kanefa tsy namaly azy i Yaveh—na tamin'ny nofy, na tamin'i Orima, na tamin'ireo mpaminany. 7 Ary hoy i Saoly tamin'ireo mpanompony: "Hitadiavo vehivavy miresaka amin'ny maty aho, mba hahafahako mankany aminy ary mitady hevitra aminy." Hoy ireo mpanompony taminy: "Indro, misy vehivavy any Andora izay milaza fa miresaka amin'ny maty." 8 Nanova endrika i Saoly, nanao akanjo hafa, ary nandeha, izy sy ireo lehilahy roa niaraka taminy; nankany amin'ilay vehivavy izy ireo ny alina. Hoy izy: "Mitalaho aminao aho, manaova fiantsoana ny maty ho ahy, miaraka amin'ny fanahy, ary ento miakatra izay anarana lazaiko anao." 9 Hoy ilay vehivavy taminy: "Indro, fantatrao izay nataon'i Saoly, izay namongorany izay miresaka amin'ny maty na amin'ireo fanahy tsy ho eo amin'ny tany. Koa nahoana ianao no mametraka fandrika ho an'ny aiko, mba hahafaty ahy?" 10 Nianiana taminy tamin'ny alalan'i Yaveh i Saoly ka nanao hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia tsy hisy fanasaziana hiatra aminao noho izao zavatra izao." 11 Ary hoy ilay vehivavy: "Iza no tokony ho entiko miakatra eto aminao?" Hoy i Saoly: "Ento miakatra ho ahy i Samoela." 12 Raha nahita an'i Samoela ilay vehivavy, dia nihiaka mafy izy ary niresaka tamin'i Saoly nanao hoe: "Nahoana ianao no namitaka ahy? Fa Saoly ianao." 13 Hoy ny mpanjaka taminy: "Aza matahotra. Inona no hitanao?" Hoy ilay vehivavy tamin'i Saoly: "Mahita andriamanitra miakatra avy ao amin'ny tany aho." 14 Hoy izy taminy: "Tahaka ny ahoana ny endriny?" Hoy izy: "Lehilahy antitra no avy miakatra; manao akanjo lava izy." Fantatr'i Saoly fa i Samoela izany, ka nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany izy ary naneho fanajana. 15 Hoy Samoela tamin'i Saoly: "Nahoana ianao no nanakorontana ahy ka nitondra ahy niakatra?" Saoly namaly hoe: "Ory loatra aho, satria ireo Filistina dia miantsy ady hanohitra ahy, ary Andriamanitra nandao ahy ary tsy namaly ahy intsony, na tamin'ireo mpaminany, na tamin'ireo nofy. Noho izany dia niantso anao aho, mba hahafahanao mampahafantatra ahy izay tokony ataoko." 16 Hoy i Samoela: "Inona ary no anontanianao ahy, satria nandao anao Yaveh, ary tonga fahavalonao Izy? 17 Nataon'i Yaveh taminao izay efa nolazainy hataony. Efa nanatsoaka ny fanjakana tsy ho eo an-tananao izy ary nanome izany ho an'olon-kafa—ho an'i Davida. 18 Satria ianao tsy nankatoa ny feon'i Yaveh ary tsy nitondra ny firehetan'ny fahatezerany tamin'ny Amalekita, dia nataony taminao izany androany. 19 Ankoatra izany, i Yaveh dia hanolotra anao sy ny Israely ho eo an-tanan'ireo Filistina. Rahampitso ianao sy ireo zanakao lahy dia hiaraka amiko. Hatolotr'i Yaveh ho eo an-tanan'ireo Filistina ihany koa ny tafik'Israely." 20 Avy hatrany dia lavo niampatra tamin'ny tany i Saoly ary tena natahotra izy noho ireo tenin'i Samoela. Tsy nisy hery tao anatiny, satria tsy nihinan-kanina izy nandritra ny andro tontolo, na tamin'ny alina tontolo. 21 Nankeo amin'i Saoly ilay vehivavy ary nahita fa tena nikorontan-tsaina izy, hoy izy taminy: "Indro, ny mpanompovavinao efa nihaino ny feonao; efa napetrako teo am-pelatanako ny aiko ary efa nihaino ireo teninao izay nambaranao tamiko. 22 Koa ankehitriny, mitalaho aminao aho, henoy ihany koa ny feon'ny mpanompovavinao, ary avelao aho hametraka sakafo kely eo anoloanao. Mihinàna mba hahazoanao hery rehefa handeha amin'ny lalanao ianao." 23 Fa i Saoly nandà ary niteny hoe: "Tsy hihinana aho." Fa ireo mpanompony, niaraka tamin'ilay vehivavy, nanery azy, ka dia nihaino ny feon'izy ireo izy. Koa nitsangana avy eo amin'ny tany izy ary nipetraka teo am-pandriana. 24 Nanana zanak'omby nifahy tao an-tranony ilay vehivavy; nandeha haingana izy ary namono izany; naka koba izy, nanafangaro izany, ary nanendy ny mofo tsy misy lalivay niaraka tamin'izany. 25 Nentiny teo anoloan'i Saoly sy ireo mpanompony izany, ary nihinana izy ireo. Ary nitsangana izy ireo ka lasa ny alin'iny.
1 Ary namory ireo tafiny rehetra tao Afeka ireo Filistina; 2 nitoby teo akaikin'ny loharano izay tany Jezirela ireo Israelita. Nozarain'ireo andrian'ny Filistina an-jatony sy an'arivony ny miaramila; Davida sy ireo olony nandeha avy teo amin'ny mpiambina ny vodilalana niaraka tamin'i Akisy. 3 Ary hoy ireo andrian'ny Filistina: "Inona no ataon'ireo Hebreo ireo aty?" Hoy Akisy tamin'ireo andrian'ny Filistina hafa: "Fa tsy i Davida ve io, ilay mpanompon'i Saoly, mpanjakan'Israely, izay efa niaraka tamiko tamin'ireny andro ireny, na tamin'ireny taona ireny akory aza, ary tsy nahita fahadisoana taminy aho hatramin'izay niarahany tamiko ka hatramin'ny androany?" 4 Nefa ireo andrian'ny Filistina dia tezitra taminy; hoy izy ireo taminy: "Alefaso mandeha any izany lehilahy izany, aoka izy hiverina any amin'ny toerany izay nomenao azy; aza avela mandeha miaraka amintsika ho any amin'ny ady izy, mba tsy ho lasa fahavalontsika amin'ny ady izy. Fa ahoana no ahafahan'io namana io hihavana amin'ny tompony? Moa ve tsy amin'ny alalan'ireo lohan'ny olontsika? 5 Moa ve tsy io i Davida ilay nifampihiran'izy ireo tamim-pandihizana, nanao hoe: 'Nahafaty an'arivony i Saoly, ary Davida nahafaty an'aliny'?" 6 Ary Akisy niantso an'i Davida ka nanao taminy hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, dia tsara ianao, ary sitrako ny miara-mivoaka sy miaraka aminao ao amin'ny tafika; fa tsy mbola nahita fahadisoana taminao aho hatramin'ny andro nahatongavanao taty amiko ka hatramin'ny androany. Na dia izany aza, dia tsy ankasitrahin'ireo andriana ianao. 7 Koa ankehitriny miverena ary mandehana am-piadanana, mba tsy hampatezitra ireo andrian'ny Filistina ianao." 8 Hoy i Davida tamin'i Akisy: "Fa inona no nataoko? Inona no hitanao tamin'ny mpanomponao hatramin'izay naha-teo anatrehanao ahy ka hatramin'ny androany, no dia tsy afaka mandeha miady hanohitra ireo fahavalon'ny tompoko mpanjaka aho?" 9 Namaly i Akisy ka nanao tamin'i Davida hoe: "Fantatro fa tsy manan-tsiny tahaka ny anjelin'Andriamanitra eo imasoko ianao; na dia izany aza, ireo andrian'ny Filistina efa nanao hoe: 'Tsy mahazo miakatra miaraka amintsika ho any amin'ny ady izy.' 10 Koa ankehitriny mifohaza maraim-be miaraka amin'ireo mpanompon'ny tomponao izay tonga niaraka taminao; vantany vao mifoha ianao ny maraim-be ary mazava ny andro, dia mandehana." 11 Ary Davida nifoha maraim-be, izy sy ireo olony, mba hiala maraina, mba hiverina any amin'ny tanin'ny Filistina. Nefa ireo Filistina niakatra tany Jezirela.
1 Ary rehefa tonga tany Ziklaga i Davida sy ireo olony tamin'ny andro fahatelo, dia nanafika teo amin'ny Negeva sy teo amin'i Ziklaga ireo Amalekita. Nanafika an'i Ziklaga izy ireo, ary nandoro izany, 2 ary nisambotra ireo vehivavy sy ny olona rehetra izay tao amin'izany, na kely na lehibe. Tsy namono na iza na iza izy ireo, fa nitondra azy ireo raha nandeha tamin'ny lalany. 3 Rehefa nankany amin'ilay tanàna i Davida sy ireo olony, dia efa may izany, ary ireo vadiny, ireo zanany lahy, sy ireo zanany vavy dia nalaina ho babo. 4 Avy eo dia nampiaka-peo i Davida sy ireo olona niaraka taminy ary nitomany mandra-paha-tsy nisian'ny hery hitomaniana intsony. 5 Voababo ireo vadin'i Davida roa, Ahinoama Jezeralita, ary Abigaila vadin'i Nabala Karmelita. 6 Ory tanteraka i Davida, satria niresaka momba ny hitoraham-bato azy ny vahoaka, satria mangidy ara-panahy ny vahoaka rehetra, ny olona tsirairay noho ny amin'ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy; fa Davida nanatanjaka ny tenany tamin'i Yaveh, Andriamaniny. 7 Hoy i Davida tamin'i Abiatara zanak'i Ahimeleka, ilay mpisorona: "Miangavy aminao aho, ento aty amiko ilay efoda." Dia nentin'i Abiatara teo amin'i Davida ilay efoda. 8 Nangataka torolalana tamin'i Yaveh i Davida, nanao hoe: "Raha manenjika io antoko io aho, ho azoko ve izy ireo?" Ary Yaveh namaly azy: "Enjeho, fa azo antoka fa ho azonao tokoa izy ireo, ary azo antoka fa hamerina ny zavatra rehetra ianao." 9 Dia nandeha i Davida, izy sy ireo eninjato lahy izay niaraka taminy; ary tonga tany amin'ny reniranon'i Besora izy ireo, izay nijanon'ireo izay taraiky tany aoriana. 10 Fa nanohy ny fanejehana i Davida, izy sy ireo efajato lahy; fa ny roanjato nijanona tao aoriana, izay tena osa ka tsy afaka ny handeha eo amin'ny lohasahan-driakan'i Besora. 11 Nahita Egyptiana iray teny an-tsaha izy ireo ary nitondra azy tany amin'i Davida; nomen'izy ireo mofo izy, ary nihinana; nomen'izy ireo rano ho sotroina izy; 12 ary nomen'izy ireo ampahana mofomamin'aviavy sy sampam-boaloboka roa izy. Rehefa nihinana izy, dia nahazo hery indray, satria tsy nihinana mofo na nisotro rano nandritra ny telo andro sy telo alina izy. 13 Hoy i Davida taminy: "An'iza moa ianao? Avy aiza ianao?" Dia hoy izy: "Tovolahin'i Egypta aho, mpanompona Amalekita iray; nandao ahy ny tompoko satria narary aho telo andro lasa izay. 14 Nanafika an'i Negevan'i Keretita izahay, sy izay an'i Joda, ary Negevan'i Kaleba, ary nodoranay i Ziklaga." 15 Hoy i Davida taminy: "Hitondra ahy hidina any amin'ny antoko mpanafika ve ianao?" Hoy ilay Egyptiana: "Mianiàna amiko amin'Andriamanitra mba tsy hamononao ahy na hamadihanao ahy eo am-pelatanan'ny tompoko, dia hitondra anao hidina amin'izany antoko mpanafika izany aho." 16 Rehefa nitondra an'i Davida nidina ilay Egyptiana, dia niparitaka teo amin'ny tany rehetra ireo mpanafika, nihinana sy nisotro ary nandihy noho ireo babo rehetra izay nalan'izy ireo tamin'ny tanin'ireo Filistina ary tamin'ny tanin'i Joda. 17 Nanafika azy ireo i Davida nanomboka ny hariva ka hatramin'ny harivan'ny andro manaraka. Tsy nisy na olona iray aza tafatsoaka afa-tsy ireo tovolahy efajato, izay nitaingina rameva ka nandositra. 18 Dia tafaverin'i Davida izay nalain'ireo Amalekita rehetra; ary voavotr'i Davida ireo vadiny roa. 19 Tsy nisy zavatra tsy ampy, na kely na lehibe, na ireo zanany lahy na ireo zanany vavy, na ireo babo, na ny zavatra rehetra izay nobaboin'ireo mpanafika ho azy ireo. Naverin'i Davida ny zavatra rehetra. 20 Nalain'i Davida ireo ondry aman'osy rehetra sy ireo omby, izay nentin'ireo olona nialoha ny biby fiompy hafa. Hoy izy ireo hoe: "Ireo no babon'i Davida." 21 Tonga tany amin'ireo olona roanjato izay tena osa raha hanaraka azy i Davida, ireo izay nataon'ireo hafa nijanona tany amin'ny reniranon'i Besora. Ireo lehilahy ireo dia nandroso mba hihaona amin'i Davida sy ireo vahoaka niaraka taminy. Rehefa tonga teo amin'ireo olona ireo i Davida, dia niarahaba azy ireo izy. 22 Ireo olona ratsy fanahy sy ireo namana tsy misy ilàna azy teo amin'ireo izay efa nandeha niaraka tamin'i Davida nilaza hoe: "Satria tsy nandeha niaraka tamintsika ireo lehilahy ireo, dia tsy hanome azy ireo babo izay efa azontsika isika. Raha tsy hoe afaka maka ny vadiny sy ireo zanany ireo lehilahy tsirairay, ka mitarika azy ireo, ary mandeha." 23 Ary hoy i Davida: "Tsy tokony hanao izany, amin'izay efa nomen'i Yaveh antsika, ianareo ry rahalahiko. Efa narovany isika ary efa natolony teo an-tanàntsika ireo mpanafika izay tonga nanohitra antsika. 24 Iza no hihaino anao amin'izany tranga izany? Fa ny fizarana dia ho an'izay mandeha amin'ny ady, sy ho an'ny olona izay miandry ny entana ihany koa; fa hizara mitovy izy ireo." 25 Dia toy izany ny tamin'izany andro izany ka hatramin'izao, satria nataon'i Davida ho didy sy lalàna ho an'ny Israely izany. 26 Rehefa tonga tany Ziklaga i Davida, dia nandefa ny sasany tamin'ireo babo ho an'ireo loholon'i Joda, ho an'ireo namany izy, nanao hoe: "Indro, inty misy fanomezana ho anao avy amin'ilay babo avy amin'ireo fahavalon'i Yaveh." 27 Nandefa ny sasany tany amin'ireo loholona izay any Betela ihany koa izy, ary ho an'ireo izay tany Ramotan'ny atsimo, sy ho an'ireo izay any Jatira, 28 ary ho an'ireo izay any Aroera, sy ho an'ireo izay any Sifmota, ary ho an'ireo izay any Estemoa. 29 Nandefa ny sasany tany amin'ireo loholona izay any Rakala, sy ireo izay any amin'ny tanànan'i Jeramelita, ary ireo izay any amin'ny tanànan'ireo Kenita, 30 ary ho an'ireo izay any Horma, sy ireo izay any Korsana, ary ho an'ireo izay any Ataka, 31 sy ireo izay any Hebrona, ary amin'ireo toerana rehetra izay nandehanan'i Davida sy ireo olony matetika izy.
1 Ary ireo Filistina niady nanohitra an'Israely. Ary ny lehilahin'Israely nandositra teo alohan'ny Filistina ary lavo maty teo amin'ny Tendrombohitr'i Gilboa. 2 Ireo Filistina nanenjika akaiky an'i Saoly sy ireo zanany lahy. Novonoin'ireo Filistina i Jonatana, Abinadaba, ary i Malkisoa, zanany lahy. 3 Niha-henjana teo anatrehan'i Saoly ny ady, ary ireo mpandefa zana-tsipìka nahavoa azy. Tao anatin'ny fanaintainana mafy izy nohon'ny amin'izy ireo. 4 Ary hoy i Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany: "Avoahy ny sabatrao ary trobahy amin'izany aho. Raha tsy izany, ireo tsy voafora ireo no ho tonga ka hanararaotra ahy." Fa tsy nanao izany ilay mpitondra ny fiadiany, satria natahotra mafy izy. Koa nalain'i Saoly ny sabany ary nianjera tambon'izany izy. 5 Rehefa hitan'ny mpitondra ny fiadiany fa maty i Saoly, dia nianjera tambonin'ny sabany tahaka izany koa izy ka maty niaraka taminy. 6 Ka dia maty i Saoly, ireo zanany telo lahy, ary ny mpitondra ny fiadiany—ireo lehilahy ireo dia niara-maty tamin'iny andro iny ihany. 7 Rehefa hitan'ny lehilahin'Israely izay teny ampitan'ny lohasaha, sy ireo izay teny an-dafin'i Jordana, fa nandositra ny lehilahin'Israely, ary maty i Saoly sy ireo zanany lahy, dia nandao ny tanànany ary nandositra izy ireo, ary tonga ireo Filistina ka nonina teo amin'ireo. 8 Ary ny ampitson'iny, rehefa tonga hanaisotra ireo faty ireo Filistina, no nahita ireo an'i Saoly sy ireo zanany telo lahy lavo teo amin'ny tendrombohitra Gilboa. 9 Notapahan'izy ireo ny lohany ary nendahiny ny fiadiany, ary nandefa ireo mpitondra hafatra nanerana ireo tanin'ireo Filistina mba hitondra ny vaovao any amin'ny tempolin-tsampin'izy ireo sy any amin'ny vahoaka izy ireo. 10 Napetrak'izy ireo tao amin'ny tempolin'i Astarta ny fiadiany, ary ny vatany nofeheziny teo amin'ny mandan'ny tanànan'i Beti-sana. 11 Rehefa nandre izay nataon'ireo Filistina tamin'i Saoly ny mponin'i Jabesy Gileada, 12 dia nitsangana ireo lehilahy mpiady rehetra ary nandeha ny alina manontolo ka naka ny fatin'i Saoly sy ny fatin'ireo zanany lahy teo amin'ny mandan'i Beta-sana. Nankany Jabesa izy ireo ary nodorany teo ireo. 13 Ary nalain'izy ireo ny taolan'izy ireo avy eo ka nalevina tambanin'ny hazo tamariska tao Jabesy, ary nifady hanina nandritra ny fito andro izy ireo.
1 Taorian'ny nahafatesan'i Saoly, dia niverina avy any amin'ny fanafihana an'ireo Amalekita i Davida ary nijanona tao Ziklaga nandritra ny roa andro. 2 Tamin'ny andro fahatelo, dia nisy lehilahy iray niaraka tamin'ny fitafiany rotidrotika sy loto teo amin'ny lohany no tonga avy tany amin'ny tobin'i Saoly. Rehefa tonga teo amin'i Davida izy dia niankohoka tamin'ny tany ary nanondrika ny tenany. 3 Hoy Davida taminy hoe: "Avy aiza ianao?" Namaly izy hoe: "Nitsoaka avy tany amin'ny tobin'Israely aho." 4 Hoy Davida taminy hoe: "Lazao ahy re ny fisehoan'izany zavatra izany." Namaly izy hoe: "Nandositra tamin'ny ady ireo vahoaka. Maro no lavo ary maro no maty. Saoly sy Jonatana zanany lahy ihany koa dia maty." 5 Hoy Davida tamin'ilay tovolahy hoe: "Ahoana no hahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany?" 6 Namaly ilay tovolahy hoe: "Kisendrasendra no naha-teo amin'ny Tendrombohitr'i Gilboa ahy, ary indro Saoly nitehina tamin'ny lefony, ary ireo kalesy sy ireo mpitaingina azy dia teo am-pisamborana azy. 7 Nihodikodina Saoly ary nahita ahy ka niantso mafy ahy. Dia namaly aho hoe: 'Inty aho.' 8 Hoy izy tamiko hoe: 'Iza ianao?' Namaly azy aho hoe: 'Amalekita aho.' 9 Hoy izy tamiko hoe: 'Mitsangàna re eto akaikiko ary vonoy aho, fa fahoriana lehibe no manjo ahy, kanefa mbola ato amiko ny aina.' 10 Noho izany dia nanatona teo aminy aho ary namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy taorian'ny nahalavo azy. Avy eo dia nalaiko ny satro-boninahitra izay teo amin'ny lohany sy ny fehin-tanana teo amin'ny sandriny, ary ireo nentiko eto aminao ireo, ry tompoko." 11 Avy eo dia nandrovitra ireo fitafiany i Davida, ary nanao toy izany koa ireo olona rehetra niaraka taminy. 12 Nisaona izy ireo, nitomany, ary nifady hanina ho an'i Saoly mandrapa-hariva, ho an'i Jonatana zanany lahy, ho an'ireo vahoakan'i Yaveh, ary ho an'ny ankohonan'Israely satria lavo tamin'ny sabatra izy ireo. 13 Hoy Davida tamin'ilay tovolahy hoe: "Avy aiza ianao?" Namaly izy hoe: "Zanaky ny vahiny iray eo amin'ny tany aho, Amalekita iray." 14 Hoy Davida taminy hoe: "Nahoana ianao no tsy natahotra namono ny mpanjaka voahosotr'i Yaveh tamin'ny tananao ihany?" 15 Niantso ny iray tamin'ireo tovolahy i Davida ary niteny hoe: "Mandehana ary vonoy izy." Koa nandeha izany lehilahy izany ary namely azy, ka maty ilay Amalekita. 16 Avy eo dia niteny tamin'ny fatin'ilay Amalekita i Davida hoe: "Eo amin'ny lohanao ny rànao satria ny vavanao ihany no vavolombelona nanohitra anao ary nanao hoe: 'Namono ny mpanjaka voahosotr'i Yaveh aho.'" 17 Avy eo dia nihira ity hira fisaonana momban'i Saoly sy Jonatana zanany lahy ity i Davida. 18 Nibaiko ny vahoaka izy mba hampianatra izany Hiran'ny Tsipîka izany an'ireo zanaka lahin'i Joda, izay voasoratra ao amin'ny Bokin'i Jasara. 19 "Ny voninahitrao, ry Israely, dia maty, voavono teo amin'ny toeranao avo! Endrey ny fahalavòn'ilay mahery! 20 Aza lazaina ao Gata izany, aza ambara eny amin'ireo lalan'i Askelona, mba tsy ho afaka hifaly ireo zanaka vavin'ny Filistina, mba tsy hankalaza ireo zanaka vavin'ny tsy voafora. 21 Ry Tendrombohitr'i Gilboa, tsy hisy ando sy orana anie eo aminao, na saha manome voa ho fanatitra, satria teo ny fiarovan'ilay mahery no voaloto. Ny fiarovan'i Saoly dia tsy voahosotra amin'ny menaka intsony. 22 Avy amin'ny ràn'ireo izay voavono, avy amin'ny fatin'ireo mahery, dia tsy niverina ny tsipîkan'i Jonatana, ary tsy niverim-poana ny sabatr'i Saoly. 23 Saoly sy Jonatana dia tiana sy mpamindra fo teo amin'ny fiainana, ary tsy nosarahina izy ireo tamin'ny fahafatesan'izy ireo. Malaika noho ny voromahery izy ireo, natanjaka noho ny liona. 24 Ianareo ry zanaka vavin'Israely, mitomania an'i Saoly, izay nampitafy jaky sy firavaka anareo, ary izay nametaka firavaka volamena teo amin'ny akanjonareo. 25 Endrey ny fahalavon'ilay mahery teo afovoan'ny ady! Novonoina teo amin'ny toeranao avo i Jonatana. 26 Ory nohon'ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko. Tena malala tamiko ianao. Mahatalanjona ny fitiavanao ahy, mihoatra noho ny fitiavan'ireo vehivavy. 27 Endrey ny fahalavon'ilay mahery, sy ny fahalevonan'ireo fitaovam-piadian'ny ady!"
Io dia anaran-tanàna ao amin'ny faritra atsimon'i Joda.
"Aorian'ny telo andro"
Amin'io fomba amam-panao io, ny fandrovitana akanjon'olona sy fandotoana lohan'olona dia fihetsika fisaonana.
Io dia fihetsika hanehoana fanekena an'i Davida, izay mpanjakan'i Israely ankehitriny.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Maro no naratra ary maro no no maty" na 2) "Maro no naratra sy maty".
Io fanambarana io dia manindry fa tsy nieritreritra ny hihaona amin'i Saoly ilay lehilahy.
Ireo mety ho heviny dia 1) reraka i Saoly dia nampiasa ny lefona mba hiankinany na 2) nitady hamono tena tamin'ny filavoana tamin'ny lefony ihany i Saoly.
DH: "Nanontany ahy izy hoe iza aho, dia nolazaiko taminy fa Amalekita aho''
Ireo ihany no vahoaka izay vao avy notafihin'i Davida tao amin'ny 1:1.
Ny fahorian'i Saoly dia resahina toy ny hoe zava-doza izay nisambotra azy. DH: "Ory indrindra aho"
Io dia fomba fiteny hoe mbola velona izy. DH: "Mbola velona aho"
"ho faty foana izy"
Nandrovitra ny fitafiany ho famantarana fa misaona noho ny fahafatesan'i Saoly mpanjaka i Davida sy ireo lehilahiny.
Midika zavatra mitovy ihany ireo fanambarana roa ireo. Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny izay manambara ireo taranak'Israely. Nefa, ny "vahoaka" sy ny "ankohonana" dia mety ho fibangoan-teny samy manambara ireo miaramilan'ny Israely avokoa. DH: "ho an'ireo miaramila Israelita"
Io dia anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoakany tao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejin'ny fandikana ny teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba handikana izany.
Eto ny hoe "lavo" dia fomba mihaja hanondrona fa hoe novonoina. Ny hoe "sabatra" ihany koa dia manambara ady. DH: "maty an'ady izy ireo" na "novonoin'ireo fahavalo tao an'ady izy ireo" Eto io dia midika hoe ''efa novonoina".
Efa nambaran'ilay lehilahy fa Amalekita izy tao amin'ny 1:8. Manontany ilay lehilahy mba hanamafisana izany tokoa i Davida noho ny fitsarana matotra izay hotononin'i Davida amin'ilay lehilahy.
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hibedesana ilay lehilahy. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Tokony natahotra an'i Yaveh ianao ka tsy namono ny voahosony...tanana!"
Io sarinteny io dia manondro an'i Saoly, izay voafidin'Andriamanitra ara-pomba.
Io andianteny io dia manondro ny fanaovanao zavatra. DH: "ianao" na "ianao manokana"
Io fomba fiteny io dia midika hoe "namono azy".
Eto ny hoe "rà" dia midika hoe "nandatsa-drà" ary nampiarahina tamin'ny fahafatesana. Eto ny hoe "ny lohanao" dia manondro ilay lehilahy ary midika fa tompon'andraikitra izy. DH: "Tompon'andraikitra amin'ny fahafatesanao ianao" na "Nahatonga ny fahafatesanao ihany ianao"
Eto ny hoe "ny vavanao ihany" dia manondro ilay lehilahy. DH: "nijoro vavolombelona nanohitra ny tenanao ianao"
Mihira hira fisaonana ho an'i Saoly sy i Jonatana i Davida.
Io dia lohatenin-kira.
Io dia fampahafantarana fototra nampiana mba hilazana amin'ny mpamaky izay hitranga amin'ny hira amin'ny hoavy.
Ny teny hoe "Jasara" dia midika hoe "mahitsy". DH: "Ny Bokin'ny Fahitsiana"
"Ny voninahitrao" dia manondro an'i Saoly.
Ny andianteny hoe "ilay mahery" dia manondro an'i Saoly sy i Jonatana. Io dia afaka ambara hoe "ireo olona mahery".
Ny teny hoe "lavo" eto dia midika hoe "maty" (UDB).
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy ihany ary naverina ho anisan'ny haikanto amin'ny hira.
Gata sy Askelona dia tanàn-dehiben'ireo Filistina roa. Namono an'i Saoly sy i Jonatana ireo Filistina.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy ihany ary naverina ho anisan'ny haikanto amin'ny hira.
Io andianteny io dia manondro ny vahoaka izay tsy nanaraka an'i Yaveh, tahaka ireo Filipina ohatra.
Niresaka nivantana tamin'ny "Tendrombohitr'i Gilboa" i Davida toy ny hoe nihaino ny hirany ireo.
Manozona ny tany izay nahafaty an'ady an'i Saoly mpanjaka i Davida. Izany dia avy amin'ny fanomezana fanajana ho an'i Saoly, izay mpanjaka voahosotr'Andriamanitra.
Ny hoe "mahery" eto dia manondro an'i Saoly. Voaloto ny fiarovana satria nianjera tamin'ny tany izany, ary satria nalatsaka teo amin'izany ny ràn'ny mpanjaka.
Vita tamin'ny hoditra ny fiarovan'i Saoly. Mba hiarovana ny fiarovana, dia natsoboka tao anaty menaka izany. DH: "Tsy misy olona hikarakara ny fiarovan'i Saoly intsony"
Eto i Saoly sy i Jonatana dia naseho mba ho toy ny hoe mpiady masiaka sy mahery fo.
Ny sabatr'i Saoly dia resahina toy ny hoe zava-manan'aina izay afaka miverina ho azy. Raha tokony hoe miverim-poana, dia nilanja ny ràn'ireo fahavalon'i Saoly izay novonoiny izany.
Ny andianteny hoe "tsy nosarahina'' dia nampiasaina mba hanindriana fa niaraka foana izy ireo. DH: "na dia maty aza dia niaraka izy ireo"
I Saoly sy i Jonatana dia resahina toy ny hoe mailaka noho ny voromahery ary matanjaka noho ny liona.
"izay nanome akanjo tsara sy firavaka anareo". Ireo andianteny roa ireo dia mitovy ihany ny dikany izay manoritsoritra ny fanomezana ireo vehivavy akanjo lafo vidy, manintona.
Io andianteny io dia miverina ao amin'ny andininy faha 27 mba hanindriana fa maty ireo mpiady mahay indrindra tamin'ny Israely. DH: "Maty an'ady ireo lehilahy mahery"
Eto ny hoe "mahery" dia mety manondro an'i Saoly sy i Jonatana irery ihany, na an'ireo miaramilan'ny Israely rehetra. DH: "ireo mpiady mahery"
Io dia fomba mihaja hilazana hoe "maty".
DH: "Maty an'ady i Jonatana" na "Novonoin'ny fahavalo i Jonatana"
Manohy miresaka io andiany amin'ny hira io amin'ireo tendrombohitr'i Gilboa tahaka ny nanombohany tao amin'ny 1:21 i Davida.
Eto ny hoe "rahalahy" dia nampiasaina amin'ny heviny hoe namana tena akaiky.
Eto ny hoe "fitiavana'' dia nampiasaina amin'ny heviny hoe finamanana sy tsy fivadihana. Ny tsy fivadihan'i Jonatana dia lehibe noho ny tsy fivadihan'ny vehivavy amin'ny vadiny sy ny zanany aza.
1 Taorian'izany dia nanontany an'i Yaveh i Davida ary niteny hoe: "Tokony hiakatra any amin'ny iray amin'ireo tanànan'i Joda ve aho?" Namaly azy i Yaveh hoe: "Miakàra." Hoy i Davida hoe: "Any amin'ny tanàna aiza no tokony halehako?" Dia namaly Yaveh hoe: "Any Hebrona." 2 Noho izany dia niakatra niaraka tamin'ireo vadiny roa i Davida, dia i Ahinoama avy any Jezirelita, sy Abigaila avy any Karmela, ilay mpitondratena navelan'i Nabala. 3 Nitondra ireo olona izay niaraka taminy, izay samy nitondra ny fianakaviany avy, ho any amin'ireo tanànan'i Hebrona, izay nanomboka nonenan'izy ireo i Davida. 4 Avy eo tonga ireo lehilahy avy any Joda ary nanosotra an'i Davida ho mpanjaka eo amin'ny ankohonan'i Joda. Hoy izy ireo tamin'i Davida hoe: "Ireo olon'i Jabesi-gileada no nandevina an'i Saoly." 5 Noho izany dia naniraka mpitondra hafatra ho any amin'ireo olon'i Jabesi-gileada i Davida ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Tahian'i Yaveh ianareo, satria ianareo dia nampiseho izany tsy fivadihana izany tamin'i Saoly tomponareo sy nandevina azy. 6 Ankehitriny haneho fanekem-pihavanana tsy mivadika sy fahatokiana aminareo anie Yaveh. Izaho ihany koa dia haneho izany fahatsarana izany aminareo satria nanao izany zavatra izany ianareo. 7 Koa ankehitriny ary, aoka hatanjaka ny tananareo; manàna herim-po fa maty i Saoly tomponareo, ary ny fokon'i Joda nanosotra ahy ho mpanjaka eo amin'izy ireo." 8 Fa Abnera zanaka lahin'i Nera, mpifehy ny tafik'i Saoly, dia naka an'Isboseta zanaka lahin'i Saoly ary nitondra azy tany Mahanaima. 9 Nanao an'Isboseta ho mpanjakan'i Gileada, Asorita, Jezirela, Efraima, Benjamina, ary amin'Israely rehetra izy. 10 Efapolo taona Isboseta zanaka lahin'i Saoly no nanomboka nanjaka teo amin'Israely, ary nanjaka nandritra ny roa taona izy. Fa nanaraka an'i Davida ny fokon'i Joda. 11 Fito taona sy enim-bolana ny fotoana nanjakan'i Davida tamin'ny fokon'i Joda tao Hebrona. 12 Abnera zanaka lahin'i Nera, ary ireo mpanompon' Isboseta zanaka lahin'i Saoly, dia niala tao Mahanaima ho any Gibeona. 13 Ary Joaba zanaka lahin'i Zeroia sy ireo mpanompon'i Davida dia nivoaka ary nihaona tamin'izy ireo teo amin'ny farihin'i Gibeona. Teny izy ireo no nipetraka, ny vondrona iray teo ankilan'ny farihy ary ny vondrona iray hafa teo andaniny. 14 Hoy Abnera tamin'i Joaba hoe: "Aoka hitsangana sy hifaninana eo anoloantsika ireo tovolahy." Dia hoy Joaba hoe: "Aoka hitsangana izy ireo." 15 Dia nitsangana sy niara-niangona ireo tovolahy, roa ambin'ny folo avy tamin'i Benjamina sy Isboseta zanak'i Saoly, ary roa ambin'ny folo avy tamin'ireo mpanompon'i Davida. 16 Ny lehilahy tsirairay dia samy nisambotra ny mpifanandrina taminy tamin'ny lohany sy nanatsatoka ny sabany teo amin'ny andilan'ny mpifanandrina taminy, ary dia niara-lavo izy ireo. Koa dia nantsoina tamin'ny teny Hebreo hoe: "Helkata-hazorima" na "Sahan-tsabatra" izany toerana izany, izay any Gibeona. 17 Tena mafy ny ady tamin'io andro io ary resy teo anoloan'ireo mpanompon'i Davida i Abnera sy ireo lehilahin'Israely. 18 Teo ireo zanak'i Zeroia telo lahy: Joaba, sy Abisay, ary Asahela. Ny tongotr'i Asahela dia haingam-pandeha tahaka ny gazela-dia. 19 Ary Asahela nanenjika akaiky an'i Abnera sy nanaraka azy tsy nivilivily tamin'ny lalany rehetra. 20 Nijery ny tao aoriany Abnera ary nanao hoe: "Ianao ve io ry Asahela?" Namaly izy hoe: "Izaho ity." 21 Dia hoy Abnera taminy hoe: "Mivilia any amin'ny ankavananao na ny ankavianao, ary misambora iray amin'ireo tovolahy ka alaivo ny fiadiany." Fa tsy nivily Asahela. 22 Dia hoy indray Abnera tamin'i Asahela hoe: "Ajanony ny fanenjehana ahy. Nahoana aho no tokony hamely anao amin'ny tany? Ataoko ahoana ny hanatri-tava an'i Joaba, rahalahinao?" 23 Fa tsy nanaiky ny hivily i Asahela, ary dia notrobaran'i Abnera ny antsin-defony ny vatany, ka nivoaka avy tao an-damosiny ilay lefona. Nikarapoka ary maty teo Asahela. Koa izay olona tonga teo amin'ilay toerana izay nampikarapoka sy nahafaty an'i Asahela, dia nijanona sy tsy nihetsika teo. 24 Fa nenjehan'i Joaba sy Abisay i Abnera. Rehefa nilentika ny masoandro, dia tonga teo amin'ny havoan'i Ama, izay akaikin'i Gia eo amoron'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Gibeona izy ireo. 25 Niara-niangona tao aorian'i Abnera ireo lehilahin'i Benjamina ary nitsangana teo an-tampon'ilay havoana. 26 Avy eo dia niantso an'i Joaba i Abnera ary niteny hoe: "Tsy maintsy handrapaka mandrakizay ve ny sabatra? Tsy fantatrao ve fa hangidy izany any amin'ny farany? Mandra-pahoviana ianao vao hiteny ny olonao mba hitsahatra tsy hanenjika ny rahalahiny izy ireo? 27 Dia namaly Joaba hoe: "Raha mbola velona koa Andriamanitra, raha tsy niteny izany ianao, dia ho nanenjika ireo rahalahin'izy ireo mandra-maraina ireo miaramilako!" 28 Dia nitsoka ny anjomara Joaba, ary nijanona ny olony rehetra ka tsy nanenjika ny Israely intsony, na niady intsony izy ireo. 29 Nanditra izany alina izany dia nandeha namakivaky an'i Arabà i Abnera sy ny olony. Niampita an'i Jordana izy ireo, nandeha nandritra ny ampitso maraina tontolo, ary dia tonga tao Mahanaima. 30 Niverina avy nanenjika an'i Abnera i Joaba. Nanangona ny olony rehetra izy, ka i Asahela sy miaramila sivy ambin'ny folo avy amin'i Davida no tsy teo. 31 Fa ireo olon'i Davida dia namono 360 lahy tamin'ny olon'i Benjamina izay niaraka tamin'i Abnera. 32 Avy eo dia nalain'izy ireo i Asahela ary naleviny tao amin'ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ireo olony nandeha ny alina tontolo, ary vao nangiran-dratsy izy ireo no tonga tao Hebrona.
"Taorian'ny nisaonan'i Davida ny fahafatesan'i Saoly sy Jonatana tao anatin'ny ady"
Tany amin'ny tanànan'i Ziklaga i Davida tamin'io fotoana io. Nampiasa ny teny hoe "miakatra" i Davida satria iva noho i Joda i Ziklaga. DH: "nandeha tamin'ny iray amin'ireo tanànan'i Joda"
Tany amin'ny tanànan'i Ziklaga i Davida tamin'io fotoana io. Nampiasa ny teny hoe "niakatra" i Davida satria iva noho i Hebrona i Ziklaga. DH: "Nandeha tany Hebrona niaraka tamin'ireo vadiny roa i Davida"
Amin'io fihetsika famantarana io, dia nandraraka menaka tamin'ny lohan'i Davida izy ireo mba hanehoana fa voafidy ho mpanjaka izy.
Eto ny hoe "ankohonana" dia nampiasaina amin'ny heviny hoe "foko". DH: "fokon'i Joda"
Io dia anaran-tanàna ao amin'ny faritr'i Gileada.
Miresaka amin'ny vahoakan'i Jabesi-gileada i Davida.
Nandevina an'i Saoly izy ireo.
Eto ny hoe "tanana" dia manondro ny vahoakan'i Jabesi-gileada. DH: "matanjaha"
Amin'io fihetsika famantarana io, dia nandraraka menaka tamin'ny lohan'i Davida izy ireo mba hanehoana fa voafidy ho mpanjaka izy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-toerana.
Ny fankatoavana ny fitsipik'i Davida dia resahina toy ny hoe "manaraka" azy. DH: "nankatoa an'i Davida ho mpanjakan'izy ireo ny fokon'i Joda"
Eto ny hoe "ankohonana" dia nampiasaina mba hidika hoe "foko".
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia fomba mihaja hilazana hoe maty izy ireo. DH: "samy maty izy ireo"
Io dia anarana nomena mba hampatsiahivana ny olona izay nitranga tao.
Mety hanampy ny fanambarana mazava fa io dia ady lehibe izay taorian'ny fanoheran'ilay tovolahy. DH: "Dia nanomboka niady ihany koa ireo hafa. Izany dia ady mafy tamin'io andro io"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Eto i Asahela dia nampitahaina tamin'ny gazela, biby izay mandeha mafy. DH: "Afaka mihazakazaka haingana i Asahela"
Io biby kely, manan-tongotra efatra, misy tandroka lava roa amin'ny lohany io, dia mihazakazaka haingana.
Eto ny hoe "tsy nivilivily" dia nanindriana fa tena nanaraka akaiky ny lalan'i Abnera izy. DH: "nanaraka azy na taiza na taiza nalehany"
Io dia anaran-dehilahy.
"Atsaharo ny fihazanao ahy...atsaharo ny fihazanao ahy"
Nangataka an'i Asahela i Abnera mba hamono sy handroba miaramila tanora hafa izay tsy ho maherisetra tahaka an'i Abnera. Tsy te hamono an'i Asahela izy. DH: "miadia amin'ny miaramila hafa ka alaivo ho voaroba ny fitaovany"
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hampitandremana an'i Asahela ny amin'ny loza hatrehany. Ny hoe "Nianjera tamin'ny tany" dia fomba mihaja hilazana hoe "mamono". DH: "Tsy te hamono anao aho"
Io fanontaniana fampisainana io dia anindriana fa tsy te hiady sy hamono an'i Asahela i Abnera satria mety hamotika ny fifandraisan'i Abnera amin'i Joaba izany. Eto ny hoe "hanatri-tava amin'i Joaba" dia fomba fiteny izay midika fa ho menatra indrindra ny hijery an'i Joaba izy. DH: "Ho menatra indrindra ny hijery ny rahalahinao, Joaba aho"
Izany dia midika hoe "mijanona" na "mitsahatra mihaza".
Io dia manondro ny fihazonana, izay tsy maranitra na natao handevehana zavatra. Mety ho midika izany fa niezaka ny hanatsahatra an'i Asahela amin'ny fanarahana azy i Abnera, ary tsy nanan-kevitra ny hamono azy.
Io dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-toerana.
"nihiaka" na "nivazavaza"
Io fanontaniana fampisainana io dia anindriana fa efa nanomboka efa ela ny ady. Eto ny hoe "sabata" dia manondro ny fiadiana. Ny famonoana amin'ny ady dia resahina toy ny hoe nisy bibidia nihinana ireo miaramila. DH: "Tsy ilainay ny mbola hampiasa ireo sabatray mba hiady sy hifamono".
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hanerena an'i Joaba hiaiky fa ny ady mitohy dia miafara amin'ny fijaliana bebe kokoa. Eto ny hoe "mangidy" dia fanalefahana ny hoe fijaliana be izay hitranga. DH: "Fantatrao tsara fa hisy fiafarany ratsy raha mitohy izany!"
Io fanontaniana fampisainana io dia natao handresen-dahatra an'i Joaba mba hanatsahatra ny fiadiana amin'ireo Israelita namany. Eto ny hoe "rahalahy" dia nampiasaina mba hanambarana ireo mpikambana amin'ny firenen'ny Israely. DH: "Atsaharo izany ankehitriny mba tsy hifamono ireo Israelita!"
Io dia voady tena mafy. DH: ''Miaraka amin'Andriamanitra ho vavolombeloko" na "Hanamafy Andriamanitra fa Izaho dia ho izay lazaiko"
Io fanambarana petra-kevitra io dia milaza izay mety hitranga raha tsy niteny tamim-pahendrena an'i Joaba i Abnera.
Ny anjomara dia nampiasaina mba hanomezana baiko ireo tafika any amin'ny halavirana be.
Eto ny hoe "Israely'' dia manondro ireo lehilahy izay niady ho an'ny Israely. DH: "nanohy nihaza ireo Israelita"
Ireo dia anaran-toerana.
Io dia anaran-dehilahy.
"lehilahy 360 avy amin'i Benjamina izay nanaraka an'i Abnera". Tsy nandainga i Abnera.
Io andianteny io dia midika hoe "avy amin'ny fokon'i Benjamina".
"nilanja ny vatan'i Asahela niaraka tamin'izy ireo"
"tonga tao Hebrona vao nangiran-dratsy ny ampitso maraina izy ireo"
1 Ary nisy ady lava reny teo amin'ny ankohonan'i Saoly sy ny ankohonan'i Davida. Nihanahery hatrany i Davida, fa ny ankohonan'i Saoly kosa dia nihaosa hatrany. 2 Niteraka zazalahy tao Hebrona i Davida. Ny lahimatoany dia i Amnona, tamin'i Ahinoama avy any Jezraela. 3 Ny zanany lahy faharoa, dia i Kileaba, naterak'i Abigaila, ilay mpitondratena navelan'i Nabala avy any Karmela. Ny fahatelo, dia i Absaloma, zanaka lahin'i Maka, zanaka vavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora. 4 Ny zanaka lahin'i Davida fahefatra, dia i Adonia, zanaka lahin'i Hagita. Ny zanaka lahiny fahadimy dia i Sefatia zanaka lahin'i Abitala, 5 ary ny fahenina dia i Jitreama, zanaka lahin'i Egla vadin'i Davida. Ireo no zanaka lahy naterak'i Davida tao Hebrona. 6 Ary nandritra ny ady teo amin'ny ankohonan'i Saoly sy ny ankohonan'i Davida dia niha-nahery tao an-tokantranon'i Saoly i Abnera. 7 Saoly dia nanana vaditsindrano antsoina hoe Rizpa, zanaka vavin'i Aia. Hoy Isboseta tamin'i Abnera hoe: "Nahoana ianao no niara-nandry tamin'ny vaditsindranon-draiko?" 8 Ary dia tezitra mafy tamin'ny tenin'Isboseta i Abnera ka niteny hoe: "Lohan'amboa izay an'i Joda ve aho? Anio aho dia maneho fahatokiana amin'ny ankohonan'i Saoly, razambenao, amin'ireo rahalahiny, ary amin'ireo namany, mba tsy hanolotra anareo eo an-tanan'i Davida. Fa ankehitriny ianao dia miampanga ahy ny amin'ny fanaovan-dratsy mahakasika ity vehivavy ity? 9 Ho ataon'Andriamanitra amiko anie izany, ry Abnera, ary mihoatra aza, raha tsy hataoko amin'i Davida araka izay nianianan'i Yaveh taminy, 10 ny hamindra ny fanjakana avy amin'ny ankohonan'i Saoly sy hanorina ny seza fiandrianan'i Davida eo amin' Israely sy eo amin'ny Joda, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba." 11 Tsy nanana teny hafa havaly an'i Abnera intsony i Isboseta, satria natahotra azy izy. 12 Avy eo dia nandefa mpitondra hafatra nankany amin'i Davida i Abnera mba hiresaka ho azy manao hoe: "An'iza ity tany ity? Manaova fanekena amiko, dia ho hitanao fa homba anao ny tanako, mba hitondra ny Israely rehetra ho eo aminao." 13 Namaly i Davida hoe: "Tsara izany, hanao fanekena aminao aho. Kanefa ny zavatra iray takiako aminao dia ny tsy ahitanao ny tavako raha tsy entinao aloha i Mikala, zanaka vavin'i Saoly, rehefa tonga hijery ahy ianao." 14 Avy eo i Davida nandefa mpitondra hafatra nankany amin'Isboseta, zanaka lahin'i Saoly, niteny hoe: "Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa naloako vidy tamin'ny lohatsintsin'ny Filistina zato." 15 Noho izany Isboseta dia nampaka an'i Mikala ka naka azy tamin'i Paltiela vadiny, zanaka lahin'i Laisy. 16 Nandeha niaraka taminy ny vadiny, nitomany teny am-pandehanana, ary nanaraka azy hatrany Bahorima. Ary hoy Abnera taminy hoe: "Miverena any an-trano ankehitriny." Ka niverina izy. 17 Niresaka tamin'ireo loholon'Israely i Abnera niteny hoe: "Taloha ianareo dia niezaka ny hanana an'i Davida ho mpanjaka eo aminareo. 18 Ankehitriny ataovy izany. Fa Yaveh efa niteny tamin'i Davida nilaza hoe: 'Amin'ny tanan'i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Israely vahoakako amin'ny tanan'ireo Filistina sy amin'ny tanan'ireo fahavalon'izy ireo rehetra.'" 19 Niresaka manokana tamin'ny olon'i Benjamina ihany koa i Abnera. Avy eo dia nandeha ihany koa Abnera mba hiresaka amin'i Davida ao Hebrona mba hanazava ny zavatra rehetra izay irian'Israely sy ny ankohonan'i Benjamina manontolo ho tanterahina. 20 Rehefa tonga tao Hebrona mba hihaona amin'i Davida i Abnera sy ny roapolo tamin'ireo lehilahiny, dia efa nanomana fanasana ho azy ireo Davida. 21 Ary Abnera nanazava tamin'i Davida hoe: "Hitsangana aho ka hanangona ny Israely rehetra ho aminao, ry ilay mpanjaka tompoko, mba hafahan'izy ireo manao fanekena aminao, mba hahafahanao manjaka amin'izay rehetra irinao." Ka nandefa an'i Abnera i Davida, ary Abnera niala tam-piadanana. 22 Ka tonga avy any am-panafihana ny miaramilan'i Davida sy Joaba ary nitondra babo maro niaraka tamin'izy ireo. Kanefa Abnera dia tsy niaraka tamin'i Davida tany Hebrona. Efa nandefa azy Davida, ary niala tam-piadanana Abnera. 23 Rehefa tonga Joaba sy ireo tafika rehetra niaraka taminy, dia hoy izy ireo tamin'i Joaba hoe: "Tonga teto amin'ny mpanjaka i Abnera zanak'i Nera, ary nalefan'ny mpanjaka izy, ary niala tam-piadanana i Abnera." 24 Avy eo dia tonga teo amin'ny mpanjaka i Joaba ka niteny hoe: "Inona no nataonao? Indro, i Abnera efa tonga teto aminao! Nahoana no nalefanao izy, ka lasa? 25 Tsy fantatrao ve fa i Abnera zanak'i Nera dia tonga teto aminao mba hamitaka anao sy mba hahafantatra ireo tetikao ary hamantatra izay rehetra ataonao?" 26 Rehefa nandao an'i Davida i Joaba, dia naniraka mpitondra hafatra nanaraka an'i Abnera izy, ary nentin'izy ireo niverina avy any amin'ny famorian-dranon'ny Siraha izy, kanefa tsy fantatr'i Davida izany. 27 Raha niverina ho any Hebrona i Abnera, dia nentin'i Joaba nihataka kely teo afovoan'ny vavahady mba hiresaka aminy mangingina izy. Teo Joaba no nanindrona azy teo amin'ny kibo ka nahafaty azy. Tamin'izany fomba izany, no namalian'i Joaba ny ràn'i Asahela rahalahiny. 28 Raha nandre ny momba izany Davida dia hoy izy hoe: "Izaho sy ny fanjakako dia tsy manan-tsiny mandrakizay eo anatrehan'i Yaveh mahakasika ny ràn'i Abnera zanak'i Nera. 29 Aoka ny heloka ny amin'ny fahafatesan'i Abnera hilatsaka amin'ny lohan'i Joaba sy ny ankohonan-drainy rehetra. Tsy ho afaka amin'ny fianakavian'i Joaba anie ny olona izay mitsi-drà na ny areti-koditra na izay mandringa ka tsy maintsy mamindra amin'ny tehina na izay lavon-tsabatra na ireo tsy manan-ko-hanina." 30 Toy izany no namonoan'i Joaba sy Abisay rahalahiny an'i Abnera, satria namono an'i Asahela rahalahin'izy ireo tany an'ady tao Gibeona izy. 31 Hoy Davida tamin'i Joaba sy ireo olona rehetra niaraka taminy hoe: "Rovito ny fitafianareo, manaova akanjo fisaonana, ary manaova fisaonana manoloana ny fatin'i Abnera." Ary Davida mpanjaka dia nandeha tao aorian'ilay faty tamin'ny dingan'ny fandevenana. 32 Nalevin'izy ireo tao Hebrona i Abnera. Nitomany sy nihiaka mafy teo amin'ny fasan'i Abnera ny mpanjaka, ary nitomany ihany koa ny olona rehetra. 33 Nisaona an'i Abnera ny mpanjaka ka nihira hoe: "Tokony ho faty toy ny fahafatesan'ny adala ve Abnera? 34 Tsy nofatorana ny tananao. Tsy nasiana rojo vy ny tongotrao. Fa tahaka ny fahalavon'ny olona teo anoloan'ireo zanaky ny tsy fahamarinana, no nahalavo anao." Ary mbola nitomany azy indray ny olona rehetra. 35 Tonga nampisakafo an'i Davida ny olona rehetra raha mbola atoandro ny andro, fa Davida nianiana hoe: "Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, ary mihoatra aza, raha manandrana mofo na zavatra hafa aho mialohan'ny hilentehan'ny masoandro." 36 Tsikaritry ny olona rehetra ny alahelon'i Davida, ary nankasitrahan'izy ireo izany, araka ny fankasitrahany izay rehetra nataon'ny mpanjaka. 37 Koa takatry ny olona sy ny Israely rehetra tamin'izay andro izay fa tsy fanirian'ny mpanjaka ny hamono an'i Abnera zanaka lahin'i Nera. 38 Hoy ny mpanjaka tamin'ireo mpanompony hoe: "Tsy fantatrareo ve fa andriana sy olona lehibe no lavo any Israely androany? 39 Fa osa aho ankehitriny, na dia mpanjaka voahosotra aza aho. Ireo lehilahy ireo, ireo zanaka lahin'i Zeroia, dia nahery setra loatra tamiko. Hamaly ny mpanao ratsy anie Yaveh amin'ny fanasaziana azy ny amin'ny faharatsiany, araka izay mendrika azy."
Io teny io eto dia nampiasaina mba hanamarika fiatoana amin'ny votoatin'ny tantara. Eto i Samoela dia manome fampafantarana momba ny ady teo amin'i Davida sy ireo mpanohana an'i Saoly.
Eto ny hoe "ankohonana" dia nampiasaina ary midika hoe "mpanohana".
Io sarinteny io dia midika fa nitombo ny isan'ny vahoaka nanohana an'i Davida.
Io sarinteny io dia midika fa nihena ny isan'ny vahoaka nanohana ny fianakavian'i Saoly.
DH: "Niteraka ireo zanany enin-dahy ireo vadin'i Davida" (UDB)
Io dia filaharan'ny zanaka lahin'i Davida.
Ireo dia anaram-behivavy. Ireo dia vadin'i Davida.
Ireo dia anaram-behivavy. Izy ireo dia vadin'i Davida.
Io dia filaharan'ny zanaka lahin'i Davida.
Ireo dia anaran'ireo zanaka lahin'i Davida.
Ireo dia anaran'ny vadin'i Davida.
Io dia mampiditra tranga vaovao ao anatin'ny tantara ao amin'ny ady teo amin'ireo mpanohana an'i Davida sy ny fianakavian'i Saoly.
Io dia manondro ny fianakavian'i Saoly sy ireo mpanohana izay nandray ny fifehezana ny toetoetrany tao aorian'ny nahafatesany.
Io dia manondro ireo mpanohana an'i Davida.
Ny fitomboan'ny herin'i Abnera amin'ny fianakavian'i Saoly dia resahina toy ny hoe lasa natanjaka ara-batana izy. DH: "Nahazo hery bebe kokoa tamin'ny fianakaviana sy ireo mpanohana an'i Saoly i Abnera"
Ireo dia anaram-behivavy.
Io dia anaran-dahy, zanaka lahin'i Saoly.
Nametraka io fanontaniana io i Isboseta mba hibedesana an'i Abnera izay nitondra tena tahaka ny mpanjaka. DH: "Tsy nanan-jo hiara-mandry amin'ny vaditsindranon-draiko ianao!"
Io dia fanalefahana ny firaisana.
Io fanontaniana io dia nampiasain'i Abnera ho fandavana am-pahatezerana ny fanendrikendrehan'i Isboseta. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Tsy mpamadika miasa ho an'i Davida aho!"
Ny tenany dia resahin'i Abnera toy ny hoe lohan'amboa, izay neverin'ireo Israelita ho tsy fivadihana amin'ny olona izay mamahana azy ireo. Eto ny hoe "an'i Joda" dia midika fa ny tsy fivadihan'i Abnera dia an'i Joda, izay an'i Davida, fa tsy an'ny ankohonan'i Saoly. DH: "Mpamadika an'i Joda ve aho?" na "Tsy mpamadika miasa ho an'i Davida aho!"
Eto ny hoe "tanana" dia manambara ny hery handresena. DH: "mba ho resen'i Davida"
Mametraka io fanontaniana io i Abnera mba hibedesana an'i Isboseta. Tsy hay raha niara-nandry tamin'i Rizpa tokoa i Abnera, na voendrikendrika izy. Ireo mety ho heviny dia 1) Meloka i Abnera. DH: "Tsy tokony ho taitra ianao fa niara-nandry tamin'izany vehivavy izany aho!" na 2) Tsy meloka i Abnera. DH: "Tsy tokony hihevitra ianao fa niara-nandry tamin'izany vehivavy izany aho!"
Io dia endrika voady mafy tamin'izany fotoana izany. Nangataka an'Andriamanitra mba hitsara azy mafy i Abnera raha tsy mitana ny voadiny. Mety misy fomba hilazana voady ny fiteninao. DH: "Mangataka amin'Andriamanitra aho mba hanasazy ahy raha tsy"
Eto ny hoe "ankohonana" dia manondro ny fianakavian'i Saoly sy ireo mpifaninana izay niaina ny fahafatesan'i Saoly. DH: "ny fianakaviana sy ireo mpanohana an'i Saoly"
Io andianteny io dia manondro ny fahefan'i Davida amin'ny maha-mpanjaka azy.
Ireo dikanteny sasany dia manampy hoe "rehefa tao Hebrona izy" ary ireo hafa dia manala izany. Mety te hanampy ny andianteny ianao raha ao amin'ny dikan-teninao izany.
Ny lahatsoratra niandohan'io fanontaniana io dia tsy mazava. Ireo mety ho heviny dia 1) Nanam-pahefana mba hanome tany an'i Davida i Abnera. DH: "Ahy ity tany ity!" na 2) Voafidin'Andriamanitra mba hanjaka amin'ny tany i Davida: DH: "Anao ity tany marina ity!"
Eto ny hoe "tanana" dia manambara ny fanampian'i Abnera izay nomeny an'i Davida. DH: "Hanampy anao aho"
Ambaran'i Davida ny fepetra izay hihaonany amin'i Abnera. Eto ny hoe "tava" dia manondro an'i Davida. DH: "tsy afaka mahita ahy ianao raha tsy mitondra an'i Mikala ho eto amiko aloha"
Io dia anaran'ny zanaka vavin'i Saoly. Izy no vadin'i Davida voalohany.
Io dia manambara ny isan'ny lehilahy novonoin'i Davida mba hamelan'i Saoly azy hanambady an'i Mikala. Ny ''lohatsintsina" dia hoditra mivalona izay mandrakotra ny fitaovam-pananahan'ny lehilahy.
I Paltiela dia vadin'i Mikala faharoa. Nomen'i Saoly azy izy taorian'ny nandosiran'i Davida niala teo amin'i Saoly.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia anaram-bohita.
"Koa ataovy mpanjakanareo i Davida ankehitriny"
Eto ny hoe "tanana'' dia manondro ny herin'i Davida mba handresena ireo Filistina. DH: "Hampahery an'i Davida mpanompoko aho ary"
Eto ny hoe "tanana" dia manondro ny fahefana amin'ny Israely. DH: "ny fahefan'ireo Filistina"
Eto ny hoe ''tanana" dia manondro ny fahefana amin'ny Israely. DH: "ny fahefana amin'ireo fahavalon'izy ireo rehetra"
Ireo fanambarana roa ireo dia manondro ireo taranak'i Benjamina, izay iray amin'ireo fokon'Israely.
Ny isan'ireo lehilahy izay niaraka tamin'i Abnera.
Io andianteny io dia midika hoe "ny firenen'i Israely rehetra"
Nisaraka toy ny mpinamana izy ireo. Tsy tezitra tamin'i Abnera i Davida.
Ireo dia zavatra nalaina avy amin'ny fahavalo.
Efa lasa niverina nody i Abnera.
"nisy olona niteny tamin'i Joaba"
Io dia anaran-dehilahy. Raiben'i Saoly izy.
Mametraka io fanontaniana io i Joaba mba hibedesana an'i Davida tamin'ny nandefasana am-piadanana an'i Abnera. DH: "Tsy tokony nanao izao ianao!"
Mametraka io fanontaniana io i Joaba mba hibedesana an'i Davida tamin'ny namelana an'i Abnera hitsoaka. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Teto i Abnera ary ianao no namela azy handeha!"
Mametraka io fanontaniana io i Joaba mba handresen-dahatra fa miteti-dratsy hanohitra an'i Davida i Abnera. DH: "Fantatrao tokoa...ny rehetra nataonao".
"Siraha" dia anaran-toerana izay nisy ny lava-drano.
Io dia manondro ny iray amin'ireo vavahady ao amin'ny mandan'ny tanàna tao Hebrona. Raha ny dikany ao amin'ny UDB, ireo vavahadin'ny tanàna dia namboarina ho isan'ireo trano natao tao amin'ny mandan'ny tanàna. Anatin'ny lalana dia nisy varavarana mankany amin'ny efitrano anatiny, izay tokony handraisana ireo vahiny sy hitarihana ny fandraharahana sy raharaham-pitsarana. Mety ho ao amin'ny iray ao amin'ireo efitrano ireo no namonoan'i Joaba an'i Abnera.
Eto ny hoe "rà" dia nampiarahina tamin'ny fahafatesan'i Asahela. DH: "ny fahafatesan'i Asahela"
Io dia anaran-dahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Eto ny hoe "rà" dia manondro ny fahafatesan'i Abnera. Jereo ny nandikanao io andianteny io ihany ao amin'ny 3:27. DH: "ny fahafatesan'i Abnera" na "ny famonoana an'i Abnera"
Io andianteny io dia midika fa ny vokatry ny heloka hitranga amin'i Joaba sy ny fianakaviana dia toy ny hoe zavatra mavesatra nianjera tamin'izy ireo. DH: "nahatonga fahoriana hatrany ho an'i Joaba sy ny ankohonan-drainy rehetra"
Eto ny hoe "ankohonana" dia manondro ireo taranaka. DH: "ireo taranaky ny rain'i Joaba rehetra"
Io dia manindry fa hisy olona manan'olana voatanisa lalandava. DH: "Hisy foana anie"
Eto ny hoe ''sabatra" dia manondro ny fahafatesana mahatsiravina. DH: "maty tamin'ny fomba mahatsiravina"
"noana"
Ireo dia fihetsika famantarana hanehoana ny fahoriana sy ny alahelo.
Ny teny hoe "nitomany" sy "nihiaka mafy" dia midika zavatra mitovy ihany ary manindry hoe ohatry ny ahoana ny haben'ny fisaonan'i Abnera.
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hanindriana fa tsy rariny ny fahafatesany. DH: "Tsy tokony ho faty amin-kenatra i Abnera!" (UDB)
Ireo fehezanteny roa ireo dia milaza hevitra mitovy ihany. Afaka atambatra ao anatin'ny fehezanteny iray ireo. DH: "Mpamono olona foana ianao ary ho any an-tranomaizina" na "Tena tsy manan-tsiny tamin'ny fanaovan-dratsy ianao"
DH: "Tsy nisy namatotra ny tananao"
DH: "Tsy nisy namatotra rojo ny tongotrao"
Io dia manondro ny olona izay tsy marina sy ratsy fanahy. DH: "olona ratsy fanahy"
Io fanitarana iniana io dia nampiasaina mba hanehoana fa te hikarakara an'i Davida tao anatin'ny alahelony ny firenen'i Israely. DH: "Vahoaka maro no tonga"
Io dia endrika voady mafy tamin'izany fotoana izany. Mangataka amin'Andriamanitra mba hitsara azy mafy i Davida raha mihinana na inona na inona alohan'ny filentehan'ny masoandro izy. Mety misy fomba hilazana voady ny fiteninao. DH: "Mangataka amin'Andriamanitra aho mba hanasazy ahy raha"
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hanehoana fa tena nanaja an'i Abnera fatratra i Davida. Eto ny hoe "lavo" dia fanalefahan-teny izay midika hoe "maty". Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Tena marina tokoa fa misy andriana lehibe maty any Israely androany!"
Ireo andianteny roa ireo dia manondro an'i Abnera. DH: "andriana lehibe"
Ireo dia anaran-dehilahy.
"tsy misy indra-fo"
1 Rehefa ren'Isboseta, zanaka lahin'i Saoly, fa maty tany Hebrona i Abnera, dia lasa nalemy ny tanany, ary nikorontana Israely rehetra. 2 Ary ny zanaka lahin'i Saoly dia nanana roa lahy izay kapitenin'ireo vondron'ireo miaramila. Ny anaran'ny iray dia Bana ary ilay iray hafa kosa dia i Rekaba, zanaka lahin'i Rimona ilay Berotita avy amin'ny vahoakan'i Benjamina (satria Berota ihany koa dia noraisina ho isan'i Benjamina, 3 ary ireo Berotita nitsoaka tany Gitaima ka nipetraka tany hatramin'izao fotoana izao). 4 Ary Jonatana, zanaka lahin'i Saoly, dia nanana zanaka lahy izay malemy ny tongony. Dimy taona izy rehefa tonga tao Jezirela ny vaovao momban'i Saoly sy Jonatana. Nentin'ilay mpitaiza azy mba handositra izy. Kanefa raha nihazakazaka iny izy, dia nianjera ny zanak'i Jonatana ary lasa malemy. Mefiboseta no anarany. 5 Noho izany ireo zanaka lahin'i Rimona ilay Berotita, i Rekaba sy Bana, dia lasa nandeha nandritra ny hafanan'ny andro nankany amin'ny tranon'i Isboseta, tamin'izy niala sasatra tamin'ny mitatao vovonana. 6 Resi-tory ilay vehivavy mpiandry varavarana raha nanivana vary, ary Rekaba sy Bana nandeha am-pahanginana sy nandalo azy. 7 Koa rehefa niditra tao amin'ilay trano izy ireo, dia nanafika azy ka namono azy raha nandry teo am-pandriany tao amin'ny efitranony izy. Avy eo notapahan'izy ireo ny lohany ary nentiny izany, ary nandeha teny amin'ny lalana nandritra ny alina tontolo nankany amin'ilay Araba. 8 Nentin'izy ireo tany amin'i Davida tao Hebrona ny lohan'Isboseta, ary hoy izy ireo tamin'ny mpanjaka hoe: "Indro, ity ny lohan'Isboseta zanaka lahin'i Saoly, fahavalonao, izay nifofo ny ainao. Ankehitriny Yaveh dia namaly faty ny mpanjaka tamin'i Saoly sy ireo taranany." 9 Ary Davida namaly an'i Rekaba sy Bana rahalahiny, ireo zanaka lahin'i Rimona ilay Berotita; hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, izay nanafaka ny aiko tamin'ny korontana rehetra, 10 rehefa nisy olona niteny tamiko hoe: 'Indro, maty Saoly,' mieritreritra fa mitondra vaovao tsara izy, dia nosamboriko izy ary novonoiko tany Ziklaga. Izany no valisoa nomeko azy nohon'ny vaovaony. 11 Maika fa, rehefa nisy lehilahy namono olona tsy manan-tsiny tao amin'ny tranony manokana teo amin'ny fandriany, dia tsy tokony hangataka ny ràny eo an-tananareo ve aho, ary manala anareo eto an-tany?" 12 Avy eo Davida nanome baiko an'ireo tovolahy, ary namono azy ireo izy ireo ka nanapaka ny loha sy ny tongotr'izy ireo ary nanantona azy ireo teo akaikin'ny kamory tao Hebrona. Fa nalain'izy ireo ny lohan'Isboseta ary naleviny tao amin'ny fasan'i Abnera tao Hebrona izany.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Amin'io andianteny io ny hoe "ny tanany" dia manondro an'i Isboseta. DH: "Lasa nalemy i Isboseta" na "Very ny herin'i Isboseta rehetra"
Io dia mampiditra ireo lehilahy dia i Bana sy Rekaba ao anatin'ny tantara.
Eto ny mpanoratra dia manome fampahafantarana fototra momba an'i Berota ho an'ny mpamaky. Ny faritr'i Berota dia ao anatin'ny tany izay an'ny fokon'i Benjamina.
Ireo dia anaran-toerana.
Nampitsahatra ny vontoatin'ny tantara ity andininy ity mba hanome fampahafantarana fototra momba an'i Mefiboseta, izay taranak'i Saoly tamin'i Jonatana raha tokony ho tamin'i Isboseta. Ho tonga mpandray anjara manan-danja ao amin'ny boky i Isboseta aoriana kely.
Io andianteny io dia midika hoe "tsy afaka mandeha."
Io dia taonan'ny zanaka lahin'i Jonatana tamin'ny fotoana nahafatesan-drainy.
Io dia manondro ireo vaovao momba ny fahafatesan'izy ireo.
Io dia vehivavy na tovovavy izay nokaramaina mba hikarakara zaza tanora.
Io dia manazava ny fomba naharatran'i Mefiboseta ka tsy nahafahany nandeha.
Io dia anaran'ny zanaka lahin'i Jonatana, zafikelin'i Saoly.
Miverina amin'ny zavatra nataon'i Rekaba sy Bana izay nampidirina tao amin'ny 4:1 ny tantara.
ny afovoan'ny andro, anisan'ny andro rehefa mamay be izany
"nanala ny akofa tamin'ny vary"
Io fomba fiteny io dia midika hoe "niezaka namono anao".
Io dia iray amin'ireo fianianana mafy afaka nianianan'i Davida, ary Yaveh no vavolombelona. DH: "Nianiana tamin'ny ain'i Yaveh aho"
Eto ny hoe "aiko" dia manondro an'i Davida mihitsy. DH: "izay nanavotra ahy"
Io fanontaniana io dia nampiasaina mba hanehoana fa efa nanao heloka be vava indrindra ireo lehilahy. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Mbola meloka kokoa aza ianao! Adidiko ny mitaky ny ràny amin'ny tananao sy ny hanala anao amin'ny tany".
Ny andianteny hoe "ràny" dia manambara ny ain'i Isboseta. Eto ny hoe "eo an-tananareo" dia manambara an'i Rekaba sy Bana, ireo zanaka lahin'i Rimona Berotita, izay nampidirina tao amin'ny 4:5. DH: "mihazona anao ho tompon'andraikitra amin'ny fahafatesan'i Isboseta"
Ireo dia fihetsika famantarana mba hanehoana fanamavoana ireo lehilahy.
Io dia fihetsika famantarana mba hanomezam-boninahitra an'i Isboseta. Io dia afaka nambara mazava. DH: "nomen'izy ireo voninahitra tamin'ny nandevenana ny lohany tao am-pasana i Isboseta"
1 Avy eo ny fokon'Israely rehetra nankany amin'i Davida tany Hebrona ary nilaza hoe: "Indro, nofo sy taolanao izahay. 2 Vao tsy ela akory, fony nanjaka teo amintsika i Saoly, dia ianao no nitarika ny tafika Israelita. Yaveh nilaza taminao hoe: 'Hiandry an'Israely vahoakako ianao, ary ho lasa mpanapaka eo amin'Israely.'" 3 Koa tonga tany amin'ilay mpanjaka tany Hebrona ireo loholon'Israely rehetra, ary Davida Mpanjaka nanao fanekena tamin'izy ireo teo anatrehan'i Yaveh. 4 Nanosotra an'i Davida ho mpanjaka teo amin'Israely izy ireo. Telopolo taona i Davida no nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritra ny efapolo taona izy. 5 Tany Hebrona dia nanjaka teo amin'i Joda nandritra ny fito taona sy enim-bolana izy, ary tany Jerosalema dia nanjaka nandritra ny telo amby telopolo taona teo amin'Israely sy Joda rehetra izy. 6 Nandeha nankany Jerosalema ny mpanjaka sy ireo olony mba hanohitra ireo Jebosita, ireo mponin'ilay tany. Hoy izy ireo tamin'i Davida hoe: "Tsy ho avy eto ianao raha tsy ny jamba sy ny mandringa no hampiverina anao. Tsy afaka ny ho tonga eto Davida." 7 Na dia izany aza, dia nambabo ny fiarovana mafin'i Ziona, izay tanànan'i Davida ankehitriny i Davida. 8 Tamin'izany fotoana izany i Davida nilaza hoe: "Ireo izay manafika ny Jebosita dia tsy maintsy handalo amin'ny lalan-drano mba hihazo ny 'mandringa sy ny jamba' izay fahavalon'i Davida." Izany no ilazan'ny olona hoe: "Ny 'jamba sy ny mandringa' dia tsy mahazo miditra ny lapa." 9 Koa nonina tao amin'ilay fiarovana mafy i Davida ary niantso izany hoe ilay tanànan'i Davida. Nohamafisiny ny manodidina izany, avy eny amin'ny lavarangana mankany anatiny. 10 Lasa natanjaka be Davida satria Yaveh, ilay Andriamanitry ny maro, no niaraka taminy. 11 Avy eo Hirama mpanjakan'i Tyra naniraka mpitondra hafatra, sy hazo sedera, mpandrafitra, ary mpanamboatra trano tany amin'i Davida. Nanamboatra trano ho an'i Davida izy ireo. 12 Fantatr'i Davida fa efa nametraka azy ho mpanjakan'Israely i Yaveh, ary efa nanandratra ny fanjakany nohon'ny amin'Israely vahoakany Izy. 13 Avy eo Davida niala tao Hebrona ary nandeha tany Jerosalema, naka vaditsindrano sy vady maromaro tany Jerosalema izy, ary nisy zanaka lahy maro sy zanaka vavy maro naterany. 14 Ireto avy ny anaran'ireo zanaka naterany tany Jerosalema: Samoa, Sobaba, Natana, Solomona, 15 Jibara, Elisoa, Nafega, Jafia, 16 Elisama, Eliada, ary Elifeleta. 17 Ary rehefa ren'ireo Filistina fa efa voahosotra ho mpanjakan'Israely i Davida, dia nivoaka izy rehetra mba hitady azy. Nefa nandre momba izany Davida dia nandeha nidina tany amin'ny fiarovana mafy. 18 Ary dia tonga ireo Filistina ka niparitaka tany an-Dohasahan'i Refaima. 19 Dia nitady vonjy tamin'i Yaveh i Davida. Hoy izy hoe: "Tokony hanafika ireo Filistina ve aho? Hanome fandresena amin'izy ireo ve Ianao?" Hoy Yaveh tamin'i Davida hoe: "Manafiha, fa hanome fandresena ho anareo eo amin'ireo Filistina tokoa Aho." 20 Koa nanafika tao Bala-Perazima i Davida, ary tao no nandreseny azy ireo. Naneho hevitra izy hoe: "Nisafoaka tamin'ireo fahavaloko teo anatrehako tahaka ny fisafoakan'ny safo-drano i Yaveh." Koa lasa Bala-Perazima ny anaran'izany toerana izany. 21 Navelan'ireo Filistina teo ny sampin'izy ireo, ary nentin'i Davida sy ireo lehilahiny lavitra ireo. 22 Avy eo dia niakatra indray ireo Filistina ary niparitaka fanindroany teny an-Dohasahan'i Refaima. 23 Koa dia nitady vonjy tamin'i Yaveh indray Davida, ary hoy Yaveh taminy hoe: "Aza manafika ny manoloana azy ireo ianao, fa hiodidino avy ao aoriany izy ireo ary manatona azy ireo avy eo amin'ireo hazo balsama. 24 Rehefa mandre ny feon-diabe eny amin'ny rivotra mitsoka avy eo an-tampon'ny hazo balsama ianao, dia aoka hanafika amin-kery. Ataovy izany satria hivoaka mialoha anareo mba hanafika ny tafik'ireo Filistina i Yaveh." 25 Koa dia nanao araka izay nandidian'i Yaveh azy i Davida. Novonoiny nanomboka tany Geba ka hatrany amin'ny lalana rehetra mankany Gezera ireo Filistina.
Io andianteny io dia midika hoe "havana". DH: "havanao izahay" na "fianakaviana iray isika"
Io dia fampahafantarana ara-tantara. Mpanjakan'izy ireo talohan'i Davida i Saoly.
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa efa nifidy an'i Davida ho mpanjaka i Yaveh.
Eto ny hoe manapaka ny vahoaka dia resahina toy ny hoe miandry azy ireo. DH: "Hikarakara an'i Israely vahoakako ianao" na "Hanapaka ny Israely vahoakako ianao"
Ny hoe "manosotra" dia fihetsika famantarana mba hanehoana fa fantatr'izy ireo fa efa nifidy an'i Davida ho mpanjaka Andriamanitra.
Manafika an'i Jerosalema i Davida sy ny tafik'Israely.
DH: "Raha tonga eto ianao, na dia ny jamba sy ny mandringa aza dia afaka mampiverina anao"
Eto ny hoe "ny jamba" sy "ny mandringa" dia mpamaritra anarana. DH: "ireo vahoaka izay tsy afaka mahita sy ireo izay tsy afaka mandeha"
Miresaka amin'ireo miaramilany i Davida. DH: "Hoy i Davida tamin'ireo miaramilany: "Ireo izay te hamongotra ny vahoaka Jebosy" (UDB)
Ireo mety ho heviny dia 1) io dia manondro ny vahoaka izay tena mandringa sy jamba na 2) io dia sarinteny izay miresaka momba ireo Jebosita ao amin'ny tanànan'i Jerosalema toy ny hoe malemy sy manan-kilema avokoa izy rehetra.
Io dia anaran-dehilahy.
ireo izay miasa amin'ny hazo
ireo izay miasa amin'ny vato sy biriky
Ireo dia anaran'ireo zanaka lahin'i Davida.
DH: "nanan-janaka lahy sy zanaka vavy maro izy" na "niteraka zazalahy sy zazavavy maro izy ireo"
DH: "izay naterak'ireo vadiny taminy'' na "nananany"
DH: "Efa nosoran'ny Israely ho mpanjaka i Davida"
Io andianteny io dia manondro ny sasany amin'ireo Filipina nijery an'i Davida. Ampiasana itatra izany mba hanehoana ny fanirian'ireo Filistina hitady fatratra an'i Davida.
Io dia anaran-toerana.
Io dia anaran-toerana.
Eto i Davida dia miresaka ny fandresena izay nentin'i Yaveh toy ny hoe safo-drano izay nanafotra ny sisiny ary nandifotra ny tany, ka nahatonga faharavana. DH: "Nandifotra ireo fahavalo tahaka ny safo-drano nandifotra ny tany i Yaveh"
''Niakatra" izy ireo satria nipetraka tamin'ny ambany kokoa noho ny fiarovana mafin'i Davida ireo Filistina.
Io dia anaran-toerana.
Ny "balsama" dia karazana hazo, ary ny "hazo" dia manoritsoritra ny hazona balsama betsaka miara-maniry.
Io dia fanohizana ny fampianaran'i Yaveh an'i Davida izay nanomboka tao amin'ny 5:22. Eto i Yaveh dia miresaka ny tenany amin'ny fampiasana ny hoe Izy.
Io dia miresaka ny feon'ny ravina mikorontana raha tsofin'ny rivotra toy ny hoe feon-diabe. DH: "Rehefa tsofin'ny rivotra ny tendron'ireo hazo balsama dia maneno tahaka ny olona mandeha izany"
Ireo dia anaran-toerana.
1 Ary dia nangonin'i Davida niaraka indray ny lehilahin'Israely voafidy rehetra, telo alina. 2 Niainga i Davida ary nandeha niaraka tamin'ireo lehilahiny rehetra izay niaraka taminy nanomboka tany Bala any Joda mba hilanja ny fiaran'Andriamanitra, izay antsoina amin'ny anarana hoe Yaveh tompon'ny maro, izay mipetraka am-piandrianana eo ambonin'ny kerobima avy any. 3 Napetrak'izy ireo teo ambony kalesy vaovao ny fiaran'Andriamanitra. Navoakan'izy ireo tao amin'ny tranon'i Abinadaba, izay teo amin'ny havoana iray izany. Oza sy Ahio, zanany lahy, no nitari-dalana ilay kalesy vaovao. 4 Navoakan'izy ireo tao an-tranon'i Abinadaba teo amin'ny havoana ilay kalesy sy ny fiaran'Andriamanitra teo amboniny. Ahio no nandeha teo anoloan'ilay fiara. 5 Avy eo Davida sy ny ankohonan'Israely rehetra nanomboka nitsinjaka teo anatrehan'i Yaveh, nankalaza tamin'ny zava-maneno vita tamin'ny hazo, lokanga, valiha, ampongatapaka, korintsana ary kipantsona. 6 Rehefa tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy ireo, dia nianjera ny omby, ary Oza naninjitra ny tanany mba hisarika ilay fiaran'Andriamanitra, ka nihazona izany izy. 7 Dia nirehitra tamin'i Oza ny hatezeran'i Yaveh. Namely azy teo nohon'ny fahotany Andriamanitra. Maty teo akaikin'ny fiaran'Andriamanitra i Oza. 8 Tezitra i Davida satria namely an'i Oza i Yaveh, ary dia nataony hoe Perez-oza ny anaran'izany toerana izany. Izany toerana izany dia antsoina hoe Perez-oza mandrak'androany. 9 Natahotra an'i Yaveh i Davida tamin'izany andro izany. Hoy izy hoe: "Ahoana no hahatonga ny fiaran'i Yaveh aty amiko?" 10 Koa tsy naniry ny hitondra ny fiaran'Andriamanitra niaraka taminy ho ao amin'ny tanànan'i Davida izy. Fa kosa, nampiriminy tao an-tranon'i Obed-edoma ilay Gitita izany. 11 Nijanona tao an-tranon'i Obed-edoma ilay Gitita nandritra ny telo volana ny fiaran'i Yaveh. Noho izany dia notahian'i Yaveh izy sy ny ankohonany rehetra. 12 Ary nolazaina tamin'i Davida Mpanjaka hoe: "Efa nitahy ny tranon'i Obed-edoma sy ny zavatra rehetra izay azy i Yaveh noho ilay fiaran'Andriamanitra." Noho izany dia nandeha i Davida ary nitondra ilay fiaran'Andriamanitra niakatra avy tao an-tranon'i Obed-edoma tamim-piravoravoana ho any amin'ny tanànan'i Davida. 13 Rehefa namindra inenina ireo izay nilanja ny fiaran'Andriamanitra, dia nanao sorona omby iray sy zanak'omby mifahy izy. 14 Nandihy teo anatrehan'i Yaveh tamin'ny heriny rehetra i Davida; efoda rongony fotsy madinika ihany no nanaovany. 15 Noho izany dia nentin'i Davida sy ny ankohonan'Israely rehetra niakatra niaraka tamin'ny horakoraka sy ny feon'anjomara ny fiaran'i Yaveh. 16 Ary rehefa tonga tao an-tanànan'i Davida ny fiaran'i Yaveh, dia nitazana teo am-baravarankely i Mikala, zanaka vavin'i Saoly. Nahita an'i Davida Mpanjaka nitsambikimbikina sy nandihy teo anatrehan'i Yaveh izy. Avy eo dia nanao tsinontsinona azy tao am-pony izy. 17 Nampidirin'izy ireo ilay fiaran'i Yaveh ary napetrany teo amin'ny toerany izany, teo afovoan'ny lay izay efa namboarin'i Davida ho an'izany. Avy eo Davida nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Yaveh. 18 Rehefa vitan'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'i Yaveh tompon'ny maro izy. 19 Ka dia nizara mofo, teti-kena, ary mofomamy misy voaloboka tamin'ny vahoaka rehetra, ny Israely manontolo, tamin'ny lehilahy sy ny vehivavy izy. Dia lasa ny olona rehetra; samy niverina tany an-tranony avy. 20 Dia niverina mba hitso-drano ny ankohonany i Davida. Mikala, ilay zanaka vavin'i Saoly, dia nivoaka mba hitsena an'i Davida ary niteny hoe: "Endrey ny voninahitry ny mpanjakan'Israely ankehitriny, izay nanary ny lambany teo imason'ireo andevo vavy anisan'ireo mpanompony, tahaka ny iray amin'ireo mpiteny ratsy izay lany henatra manary ny lambany!" 21 Davida namaly an'i Mikala hoe: "Nataoko teo anatrehan'i Yaveh izany, izay nifidy ahy ho ambonin'ny rainao sy ho ambonin'ny ankohonany rehetra, izay nanendry ahy ho mpitarika eo amin'ny vahoakan'i Yaveh, eo amin'Israely. Eo anatrehan'i Yaveh no hiravoravoako! 22 Mbola tsy ho mendri-kaja noho izany aza aho, ary ho afa-baraka eo imasoko ihany aho. Kanefa amin'ny alalan'ireo andevo vavy izay noresahinao ireo, no hanomezam-boninahitra ahy." 23 Noho izany i Mikala, zanaka vavin'i Saoly, dia tsy nanan-janaka hatramin'ny andro nahafatesany.
Io teny io dia manamarika fizarana vaovao amin'ny tantara.
Io sarinteny io dia manambara ny tafiky ny firenen'ny Israely.
"30.000"
Izany dia midika fa naka ny fiara tany Jerosalema izy ireo. DH: "nanomboka tao Bala tany Joda mba haka ny fiaran'Andriamanitra any Jerosalema"
Avo noho ny ankamaroan'ny toerana hafa any Israely i Jerosalema, koa ara-dalàna ho an'ireo Israelita ny miteny hoe hiakatra any Jerosalema ary midina avy any.
Ny teny hoe "milanja" dia afaka adika hoe "maka".
Io dia anaran-toerana.
Voasoratra teo amin'ny fiara ny anaran'i Yaveh.
"izay mipetraka amin'ny toeran'ny fahefany anelanelan'ny kerobima"
mipetraka amin'ny seza fiandrianana na toeram-pahefana
Namindra ny fiaran'ny fanekena i Davida sy ny tafiky ny firenen'ny Israely.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io sarinteny io dia manambara ny vahoakan'ny Israely. DH: "ireo Israelita hafa rehetra niaraka taminy''
Ny ampongatapaka dia zava-maneno tahaka ny lohan'amponga misy singam-by manodidina ny sisiny izay maneno rehefa tendrena na velesina.
zava-maneno misy zavatra kely maro, mafy anatin'ny akorandriaka mafy, manome feo gadona rehefa ahontsana
vy fisaka roa manify, boribory izay velesina miaraka mba hanome feo mafy
Io dia anaran-dehilahy.
Eto ny hoe ''hatezeran'i Yaveh" dia resahina toy ny hoe afo.
Fahotan'i Oza ny mikasika ny fiara satria efa nandidy i Yaveh fa tsy hisy olona tokony hikasika ny fiara.
Io dia anaran-toerana. Mety manampy fanamarihana izay milaza hoe ny mpandika teny : "Ny anarana hoe 'Perez-oza" dia midika hoe 'famaizana an'i Oza"'.
Izany dia midika ny fotoana izay nanoratana izany, fa tsy ny fotoana ankehitriny amin'ny taonjato fahairaika amby roapolo.
Mampiasa io fanontaniana io i Davida mba hanindriana fa matahotra ny haka ny fiara ho any Jerosalema izy. DH: "Matahotra loatra ny hitondra ny fiaran'i Yaveh hiaraka amiko ho any Jerosalema aho."
Io dia anaran'olona.
Eto ny hoe "izy" dia manodro an'i Obed-edoma Gitita.
Io teny io dia manomboka fizarana vaovao amin'ny tantara.
DH: "nolazain'ny olona i Davida Mpanjaka"
Eto ny "trano" dia manambara fianakaviana. DH: "Obed-edoma sy ny fianakaviany"
Avo noho ny ankamaroan'ny toerana hafa any Israely i Jerosalema, koa ara-dalàna ho an'ireo Israelita ny miteny hoe hiakatra any Jerosalema ary midina avy any. DH: "namindra ny fiaran'Andriamanitra" na "naka ny fiaran'Andriamanitra".
Ny teny hoe "nitondra'' dia afaka adika hoe "naka".
Ny fandihizana eto dia endrika fanompoana am-pifaliana feno an'i Yaveh.
lamba natao tamin'ny kofehy zava-maniry rongony
Eto ny hoe "ankohonana" dia anambarana ny vahoakan'ny Israely. DH: "ireo Israelita hafa rehetra miaraka aminy"
Ny teny hoe "Ary" dia manamarika fihatoana amin'ny fizotry ny tantara. Eto ny mpitantara dia manome fampahafantarana momba an'i Mikala.
Mikala dia zanaka vavin'i Saoly Mpanjaka ary vadin'i Davida voalohany ihany koa. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 3:12.
Eto ny hoe ''fo" dia manambara eritreritra na fihetsem-po. DH: "nijery azy tamin'ny fanaovana tsinontsinona izy" na "nanondro molotra azy izy"
"tamin'i Yaveh"
Ny mitso-drano "amin'ny anaran'i Yaveh Tompon'ny maro" dia midika hoe mitso-drano amin'ny hery sy fahefan'Andriamanitra na ho solon-tenany.
mofo mamy nandrahoina vita amin'ny voaloboka maina
Eto ny hoe "nivoaka" dia afaka adika hoe "nandeha".
Io dia fehezanteny maneso. Ny tian'i Mikala ambara ny dia mifanohitra amin'izay nolazainy, ary tsy nino izy fa hanao fihetsika manome voninahitra i Davida. Miteny tsy am-panajana an'i Davida Mpanjaka momba ny akanjo nentiny nandihy sy ny fitondran-tenany i Mikala.
Eto ny hoe "mason'ireo andevo vavy" dia manondro ireo andevo vavy". DH: "teo anatrehan'ireo andevo vavy"
Ampitahain'i Mikala amin'ny lehilahy mpiteny ratsy sy adala i Davida.
Eto ny hoe ''-nao" dia manondro an'i Mikala.
Eto ny hoe "vahoakan'i Yaveh" sy "Israely" dia midika zavatra iray ihany.
Naneso i Davida ary ny tiany ambara dia ny mifanohitra amin'izay nolazainy. Tsy nino izy fa izay nataony dia tena tsy mendri-kaja na izay hataony amin'ny hoavy dia tsy ho mendri-kaja.
Eto ny hoe "eo imasoko ihany" dia manambarana izay heverin'ny olona na eritreretiny momba ny zavatra iray. DH: "Hihevitra ny tenaka ho afa-baraka aho" na "Hihevitra ny tenako ho adala aho"
DH: "Nefa ireo andevo vavy izay lazainao dia hanome voninahitra ahy"
"tsy afaka ny hiteraka mihitsy"
1 Rehefa nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka, ary rehefa nanome fitsaharana azy tamin'ireo fahavalony manodidina azy rehetra i Yaveh, 2 dia hoy ny mpanjaka tamin'i Natana mpaminany hoe: "Indro, mipetraka amin'ny trano sedera aho, fa ny fiaran'Andriamanitra kosa mijanona ao afovoan'ny lay." 3 Dia hoy i Natana tamin'ny mpanjaka hoe: "Mandehana, ataovy izay ao am-ponao, fa homba anao Yaveh." 4 Kanefa tamin'io alina io ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'i Yaveh, ary nanao hoe: 5 "Mandehana ary lazao Davida mpanompoko hoe: 'Izao no ambaran'i Yaveh: Hanamboatra trano hipetrahana ho Ahy ve ianao? 6 Fa tsy nitoetra tao an-trano Aho hatramin'ny andro izay nitondrako ny vahoakan'Israely niakatra avy tao Egypta hatramin'izao andro ankehitriny izao; fa kosa, nifindrafindra lay Aho, dia ny tabernakely. 7 Tany amin'ny toerana rehetra izay nifindrako niaraka tamin'ny vahoakan'Israely rehetra, moa nilaza na inona na inona tamin'ireo mpitarik'Israely izay notondroiko hiandry ny Israely vahoakako ve Aho, nanao hoe: "Nahoana ianareo no tsy nanamboatra trano sedera ho Ahy?"" 8 Koa ankehitriny ary, teneno i Davida mpanompoko hoe: "Izao no ambaran'i Yaveh tompon'ny maro: 'Nalaiko avy teny amin'ny saha ianao, tamin'ny fanarahana ireo ondry, mba ho mpanapaka an'Israely vahoakako ianao. 9 Niaraka taminao foana Aho na taiza na taiza nalehanao. Nalàko teo anoloanao avokoa ny fahavalonao rehetra. Ankehitriny hataoko lehibe ny anaranao, tahaka ny anaran'ireo lehibe teto an-tany. 10 Hisafidy toerana iray ho an'Israely vahoakako Aho ary hamboly azy ireo any, mba hiaina ao amin'ny toeran'izy ireo manokana izy ireo ary tsy ho voakorontana intsony. Tsy hampijaly azy ireo intsony ny olona ratsy fanahy, toy ny nataon'izy ireo teo aloha, 11 toy ny nataon'izy ireo hatramin'ny andro nandidiako ireo mpitsara mba hanapaka an'Israely vahoakako rehetra. Ankehitriny Aho dia hanome fitsaharana anao amin'ireo fahavalonao. Fanampin'izany, Izaho, Yaveh dia manambara aminao fa hanao trano ho anao Aho. 12 Rehefa tapitra ny andronao ary hodimandry miaraka amin'ireo razambenao ianao, dia hanangana taranaka handimby anao Aho, izay ho avy amin'ny vatanao, ary hampitoeriko ny fanjakany. 13 Hanamboatra trano ho an'ny anarako izy, ary hametraka ny seza fiandrianan'ny fanjakany mandrakizay Aho. 14 Ho rainy Aho, ary izy ho zanako. Rehefa manota izy, dia hananatra azy amin'ny tsorakazon'ny olona sy amin'ny fikapohana ny zanak'olona Aho. 15 Fa ny fahatokiko dia tsy handao azy, raha nalaiko tamin'i Saoly izany, izay nesoriko talohanao. 16 Ny tranonao sy ny fanjakanao dia ho azo antoka mandrakizay eo anatrehanao. Hitoetra mandrakizay ny seza fiandriananao.'" 17 Dia niresaka tamin'i Davida i Natana ary nitatitra taminy ireo teny rehetra ireo, ary nolazainy taminy ny momban'ilay fahitana iray manontolo. 18 Dia niditra Davida Mpanjaka ary nipetraka nanoloana an'i Yaveh ka nanao hoe: "Iza aho, ry Yaveh Andriamanitra, ary inona ny fianakaviako no nentinao ho amin'izao tanjona izao aho? 19 Ary zavatra kely eo imasonao izany, ry Tompo Yaveh. Niresaka momban'ny fianakavian'ny mpanomponao ny amin'izay lehibe ho avy Ianao, ary nampiseho taranaka fara-mandimby tamiko, ry Tompo Yaveh! 20 Inona no mbola azoko, izaho Davida, lazaina aminao? Nanome voninahitra ny mpanomponao Ianao, ry Tompo Yaveh. 21 Nohon'ny amin'ny teninao, sy mba hahatanteraka ny tanjonao manokana, dia nanao izao zavatra lehibe izao Ianao ary naneho izany tamin'ny mpanomponao. 22 Noho izany dia lehibe Ianao, ry Tompo Yaveh, satria tsy misy toa Anao, ary tsy misy Andriamanitra hafa ankoatra Anao, araka izay ren'ny sofinay ihany. 23 Inona no firenena toa an'Israely vahoakanao, ilay firenena eto an-tany izay, nalehanao Andriamanitra sy novonjenao ho an'ny tenanao? Nataonao izao mba ho tonga vahoaka ho Anao izy ireo, mba hanao anarana ho an'ny tenanao, ary mba hanao asa lehibe sy mampatahotra ho an'ny taninao. Nandroaka ireo firenena sy ireo andriamanitr'izy ireo teo anoloan'ny vahoakanao, izay novonjenao avy tao Egypta Ianao. 24 Napetrakao toy ny vahoakanao manokana mandrakizay Israely, ary Ianao, Yaveh, dia tonga Andriamanitr'izy ireo. 25 Koa ankehitriny, ry Yaveh Andriamanitra, enga anie ho apetraka mandrakizay ny fampanantenana izay nataonao mahakasika ny mpanomponao sy ny fianakaviany. Ataovy araka izay nolazainao. 26 Ho lehibe mandrakizay anie ny anaranao, ka hilaza ny vahoaka hoe: 'Yaveh tompon'ny maro no Andriamanitr'Israely,' raha apetraka anatrehanao, ny tranoko, Davida mpanomponao. 27 Satria Ianao, Yaveh tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'Israely, no nanambara tamin'ny mpanomponao fa hanangana trano ho azy Ianao. Izany no antony, nahitako, izaho mpanomponao, faharisihana hivavaka Aminao. 28 Ankehitriny, ry Tompo Yaveh, dia Andriamanitra Ianao, ary mendri-pitokisana ny teninao, ary nanao io fampanantenana tsara io tamin'ny mpanomponao Ianao. 29 Koa ankehitriny ary, aoka hahafaly Anao ny hitahy ny tranon'ny mpanomponao, mba hitohy eo anoloanao mandrakizay izany. Satria Ianao, ry Tompo Yaveh, no niteny ireo zavatra ireo, ary tamin'ny tso-dranonao no nitahiana mandrakizay ny tranon'ny mpanomponao."
Io andianteny io eto dia manamarika ny fiatombohan'ny fizarana vaovao amin'ny tantara. Raha misy fomba hanaovana izany ny fiteninao, dia aoka hampiasainao eto izany.
"nanome fiarovana azy amin'ireo fahavalo manodidina azy rehetra." Eto ny hoe "fitsaharana" dia anarana. DH: "nahatonga ny vondron'ny vahoaka fahavalo hanatsahatra ny fanafihana ny Israely"
Ny sedara dia karazana hazo izay fantatra amin'ny tanjany. Raha misy mitovitovy karazana amin'izany hazo izany amin'ny fomba any aminao, dia ampiasao izany anarana izany, raha tsy, dia afaka manova izany teny izany ianao. DH: "Mipetraka ao amin'ny trano mahery, sy maharitra aho"
Ny lay dia fitoerana vonjimaika. Raha tsy manana lay ny fombanao, dia afaka manome teny hafa ho an'izany ianao. DH: "nitoetra tao amin'ny toerana vonjimaika ny fiaran'Andriamanitra"
Eto ny hoe "fo" dia manambara ny saina. DH: "ataovy izay eritreretinao fa tokony ataonao"
Eto ny hoe "homba anao" dia midika hoe manampy sy mitahy an'i Davida i Yaveh.
Io dia fomba fiteny izay midika fa niteny i Yaveh. "nilaza ny hafany i Yaveh"
Eto ny hoe "teny" dia manambara ny hafatr'i Yaveh. DH: "ny hafatr'i Yaveh"
Io dia farango sosona anatin'ny farango sosona. Mety ilaina ny mandika ireo ho farango sosona tsy mifanakaiky. DH: "ary nanao hoe: "Mandehana ary anontanio i Davida raha mihevitra izy fa izy no ho ilay izay hanangana ny trano izay hitoerako."
Mampiasa io fanontaniana io i Yaveh mba hanindriana fa tsy i Davida no ilay izay hanangana ny trano ho an'i Yaveh. Io fanontaniana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Tsy hanangana ny trano ho Ahy ianao"
Eto ny hoe "trano" dia midika hoe tempoly. Ao amin'ny 7:11 dia hilaza i Yaveh fa hanangana ny trano ho an'i Davida Izy. Ao ny hoe ''trano" dia midika hoe fianakaviana. Raha misy teny izay afaka hilazana ireo hevitra roa ireo ny fiteninao, dia ampiasao eto sy ao amin'ny 7:11 izany.
Io dia farango sosona anaty farango sosona. DH: "Tsy mbola nangataka tamin'ny iray tamin'ireo mpitarika, izay notondroiko, mba hanamboatra tempoly amin'ny hazo sedara ho Ahy Aho."
Mampiasa io fanontaniana io i Yaveh mba hanindriana fa tsy mbola nangataka tamin'ny iray amin'ireo mpitarika ny Israely mba hanangana trano ho Azy Izy. DH: "Tsy mbola nilaza zavatra tamin'ny iray amin'ireo mpitarika ireo Israely Aho"
Raha nametraka io fanontaniana io tamin'ireo mpitarika i Yaveh, dia nampiasa fanontaniana Izy mba hibedesana azy ireo tamin'ny tsy nananganana trano sedara ho Azy. Nefa, niteny i Yaveh teo aloha fa tsy nametraka izany fanontaniana izany tamin'izy ireo Izy. DH: "Tokony nanangana trano sedara ho Ahy ianareo."
Ireo izay mpitarika ny vahoakan'ny Israely dia resahina toy ny hoe mpiandry ondry izy ireo ary ondry ny vahoaka.
Manoritsoritra ireo fampanantenany ho an'i Davida Mpanjaka amin'ny alalan'i Natana mpaminany i Yaveh.
Io dia tsy midika hoe "amin'izao fotoana izao", fa io dia nampiasaina mba hisarihana ny saina amin'ny teboka manan-danja izay manaraka eo.
Io dia farango sosona anaty farango sosona. DH: "teneno i Davida mpanompoko fa nalaiko izy...lehibe ny anarany, tahaka ny anaran'ireo lehibe teto an-tany"
Mbola miteny amin'i Natana mpaminany izay tokony ho lazainy amin'i Davida i Yaveh.
Eto ny hoe "miaraka aminao" dia midika fa nanampy sy nitahy an'i Davida i Yaveh.
Ny famotehan'i Yaveh ireo fahavalon'i Davida dia resahina toy ny hoe notapahin'i Yaveh izy ireo, tahaka ny analan'ny olona ravina amin'ny akanjo na analan'ny olona rantsana amin'ny hazo.
Eto ny hoe "anarana" dia manambara ny lazan'olona.
Ny andianteny hoe "ireo lehibe" dia midika hoe olo-malaza.
Manohy manoritsoritra ireo fampanantenany tamin'i Davida Mpanjaka tamin'ny alalan'i Natana mpaminany i Yaveh.
"Hifidy toerana iray ho anao Aho"
Ny nanaovan'i Yaveh ny vahoaka mba hipetraka amin'ny tany vonjimaika sy milamina dia resahina toy ny hoe hamboly azy ireo amin'ny tany izy.
DH: "ary tsy hisy olona hanakorontana azy ireo mihitsy"
Eto ny hoe "andro" dia manambara ny fe-fotoana iray. DH: "hatramin'ny fotoana"
Taorian'ny nidiran'ny vahoakan'ny Israely ny tany Kanana sy talohan'ny nananan'izy ireo mpanjaka mba hanapaka azy ireo, dia nanondro mpitarika antsoina hoe "mpitsara" Andriamanitra mba hitarika azy ireo amin'ny fotoan'ny fahoriana.
DH: "Ankehitriny dia hanome fitsaharana ho anao amin'ireo fahavalo rehetra Aho...ambarao aminy fa hanao trano ho azy Aho"
"Hanome fiarovana anao amin'ireo fahavalonao Aho." Eto ny hoe "fitsaharana"dia anarana. DH: "Hatsahatro manafika anao ireo fahavalonao"
Eto ny ny sarinteny hoe "trano" dia manondro ireo razamben'i Davida manomboka mitohy ho mpanapaka ny Israely. Ao amin'ny 7:3 dia nanontany an'i Davida i Yaveh raha izy no ho iray izay hanao trano ho an'i Yaveh. Ao ny hoe "trano" dia manambara tempoly. Raha misy teny afaka hilazana ireo hevitra roa ireo ny fiteninao, dia ampiasao eto sy ao amin'ny 7:4 izany.
Manohy manoritsoritra ireo fampanantenany tamin'i Davida Mpanjaka tamin'ny alalan'i Natana mpaminany i Yaveh.
Ireo andianteny roa ireo dia manana heviny iray ihany ary natambatra mba hanindriana. Izy roa ireo dia samy fomba mihaja hanondroana ny fahafatesana sy maty.
Ny fanendren'i Yaveh ny taranak'i Davida dia resahina toy ny hoe hanandratra na hanangana azy ambony i Yaveh.
Io dia sarinteny izay midika fa hisy olona ho taranak'i Davida.
Eto ny hoe "fanjakany" dia manambara ny fahefany mba hanapaka. DH: "Hataoko ho mpanjaka teny mahery izy" (UDB)
Eto ny hoe "anarana" dia manondro an'i Yaveh. DH: "fitoerana vonjimaika ho Ahy"
Eto ny hoe "seza fiandrianana" dia manambara ny fahefan'ny olona hanapaka toy ny mpanjaka. DH: "Hanao ny fanapahany amin'ny Israely mba haharitra mandrakizay aho" (UDB)
Ny faminaniana ao amin'ny 7:12-14 dia manondro an'i Solomona, zanaka lahin'i Davida. Nefa, ny endriky ny faminaniana dia ho tanterahin'i Jesosy. Koa, eto dia tsara indrindra ny mandika ny teny hoe "ray" sy "zanaka" amin'ny teninao mahazatra hilazana ny ray tena niteraka sy ny tena zanaka.
Avy nanoritsoritra ireo fampanantenany tamin'i Davida Mpanjaka tamin'ny alalan'i Natana mpaminany i Yaveh.
Ny teny hoe "fahatokiana" dia anarana izay afaka ambara hoe "mahatoky". DH: "Nefa hitoetra ho mahatoky aminao hatrany Aho, tsy tahaka Ahy tamin'i Saoly"
DH: "talohan'i Davida. Ankohonan'i Davida...talohanao. Ny seza fiandrianana"
Ireo fehezanteny roa ireo dia misy dikany iray ihany ary manindry fa haharitra mandrakizay tarana-mpanjakan'i Davida.
Eto ny teny hoe "trano" dia manambara ireo taranak'i Davida, izay hanapaka toy ny mpanjaka. Eto ny hoe "fanjakana" dia midika zavatra mitovy amin'ny hoe "trano" ihany. DH: "Hihaina hahita Ahy hampitoetra ny fianakavianao sy ireo mpanapaka azy ireo amin'ny vahoakan'ny Israely mandrakizay ianao"
Eto ny hoe "seza fiandrianana" dia manambara ny fahefana mba hanapaka ho mpanjaka. DH: "Hahatonga ireo taranakao hanapaka ny Israely mandrakizay Aho"
Eto ny hoe "teny" dia manambara izay nolazain'i Yaveh.
"nolazainy taminy ny momba ny zavatra rehetra nambaran'i Yaveh taminy"
Mametraka io fanontaniana io i Davida mba hilazana ny fihetse-po lalina tsapany tamin'ny nandrenesana ny fanambaran'i Yaveh. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Ny fianakaviako sy Izaho dia tsy mendrika izao voninahitra izao, ry Yaveh Andriamanitra."
Eto ny hoe "imasonao" dia manambara izay hiheveran'i Yaveh zavatra iray. DH: "toa zavatra kely Aminao tokoa aza ny hanao izany"
Eto i Davida dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao". DH: "ny fianakaviako"
Io dia miresaka momba ny fotoana toy ny hoe zavatra izay mandeha sy tonga any ho any izany. DH: "ary izay hiseho amin'izy ireo amin'ny hoavy"
Mampiasa io fanontaniana io i Davida mba hanindriana fa tsy manan-javatra tavela holazaina amin'i Yaveh izy. DH: "Tsy misy zavatra mihoatra afaka lazaiko Aminao."
Eto i Davida dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao". DH: "izaho"
Eto ny hoe "teny" dia manambara izay nampanantenain'Andriamanitra fa hataony. DH: "Noho izay nampanantenainao hatao"
"mba hanatanteraka izay nokasainao hatao"
Manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" i Davida. DH: "amiko"
Ny andianteny hoe "sofinay ihany" dia nampiasaina mba hanindriana. DH: "araka ny efa renay"
Eto ny hoe "-nay" dia manondro an'i Davida sy ny firenen'ny Israely. DH: "araka ny efa renay"
Mampiasa fanontaniana i Davida mba hanindriana fa tsy misy firenena hafa tahaka ny Israely. DH: "Tsy misy firenena tahaka ny Israely vahoakanao, firenena iray eto an-tany izay Ianao, Andriamanitra o, no nandeha sy namonjy tamin'ny tenanao".
Eto ny hoe "anarana" dia manambara ny lazan'i Yaveh. DH: "mba hampafantaranao ny olonao rehetra hoe iza Ianao"
Eto ny hoe "tany" dia manambara ny vahoaka. DH: "ho an'ny vahoakanao"
Eto ny hoe "firenena" dia manambara ireo vondron'olona izay nipetraka tao Kanana.
Manohy miresaka amin'i Davida i Yaveh.
Eto ny hoe "ankehitriny" dia tsy midika hoe "amin'izao fotoana izao", nefa nampiasaina mba hisarihana ny saina amin'ny teboka manan-danja izay manaraka eo.
DH: "enga anie Ianao hanao izay nampanantenainao tamiko sy ny fianakaviako, ary enga anie mba tsy hivadika mihitsy ny fampanantenanao"
DH: "izaho sy ny fianakaviako"
Eto ny hoe ''anarana" dia manambara ny lazan'i Yaveh.
Eto ny hoe "trano" dia manambara ny fianakaviana. DH: "ny fianakaviako"
DH: "dia voaaro noho ianao" na "mitohy noho ianao"
Manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" i Davida. DH: "tamiko no hanangananao trano ho ahy"
Eto ny sarinteny hoe "trano" dia manondro ireo razamben'i Davida mitohy ho toy ny hoe mpanapaka ny Israely. Ao amin'ny 7:3 i Yaveh dia manontany an'i Davida raha ho ilay izay hanangana ny trano ho an'i Yaveh izy. Eto ny hoe "trano" dia manambara ny tempoly. Raha misy teny izay afaka hilazana ireo hevitra roa ireo ny fiteninao, dia ampiasao eto sy ao amin'ny 7:4 izany.
Io dia tsy midika hoe "amin'izao fotoana izao", nefa nampiasaina mba hisarihana ny saina amin'ny teboka manan-danja izay manaraka eo.
Eto ny hoe "teny" dia manambara izay nolazain'i Yaveh. DH: "Mahatoky izay lazainao aho"
DH: "ary mbola hitahy hatrany ny fianakaviako mandrakizay Ianao"
Eto i Davida dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao". DH: "ny tranoko" na "ny fianakaviako"
Eto ny hoe "trano" dia manondro ny fianakavian'i Davida.
1 Taorian'izany dia nanafika ireo Filistina i Davida ka nandresy azy ireo. Noho izany dia nalain'i Davida tsy ho eo amin'ny fifehezan'ireo Filistina i Gata sy ireo zana-bohiny. 2 Dia nandresy ny Moabita izy ka nandrefy ny olon'izy ireo tamin'ny tsipika tamin'ny fampandriana azy ireo teo amin'ny tany. Nandrefy indroan'ny tsipika izy mba hamonoana, ary indray mandeha monja mba hitazonana ho velona. Ka dia lasa mpanompon'i Davida ireo Moabita ary nanomboka nandoa hetra taminy. 3 Koa dia resin'i Davida i Hadadezera zanak'i Rehoba, ilay mpanjakan'i Zoba, raha lasa nampody ny fanjakany teo amoron'ny Ony Eofrata i Hedadezera. 4 Nambabo kalesy 1, 700 sy miaramila an-tongotra roa alina avy taminy i Davida. Notraingon'i Davida avokoa ny kalesin-tsoavaly rehetra, fa nanokana izay tokony ho ampy ny kalesy zato tamin'izy ireo izy. 5 Rehefa tonga hanampy an'i Hadadezera mpanjakan'i Zoba ny Syriana avy any Damaskosy, dia nahafaty lehilahy Syriana roa arivo sy roa alina i Davida. 6 Avy eo i Davida nametraka miaramila tany Syria any Damaskosy, ary lasa mpanompony ka nandoa hetra taminy ny Syriana. Nampandresy an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany i Yaveh. 7 Dia nalain'i Davida ny ampinga volamena izay tany amin'ny mpanompon'i Hedadezera ka nentiny tany Jerosalema ireo. 8 Avy eo i Davida mpanjaka dia naka varahina maro dia maro avy tao Beta sy Berotahy, tanànan'i Hadadezera. 9 Rehefa ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa nandresy ny tafik'i Hadadezera rehetra i Davida, 10 dia nirahin'i Toy ho any amin'i Davida mpanjaka i Jorama zanany mba hiarahaba azy sy hitso-drano azy, satria Davida niady tamin'i Hadadezera ka nandresy azy, ary satria Hadadezera dia niady tamin'i Toy. Gorama dia nitondra zavatra vita tamin'ny volafotsy, volamena ary varahina niaraka taminy. 11 Davida mpanjaka dia nanokana ireo zavatra ireo ho an'i Yaveh, niaraka tamin'ny volafotsy sy volamenan'ireo firenena rehetra izay resiny— 12 avy tamin'i Syria, Moaba, ireo olon'i Amona, ireo Filistina, sy ny Amalekita, niaraka tamin'ireo entana rehetra voaroba tamin'i Hadadezera zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba. 13 Fanta-daza ny anaran'i Davida rehefa avy nambabo ny Syriana tany amin'ny Lohasahan-tsira, niaraka tamin'ireo lehilahy valo arivo sy iray alin'izy ireo. 14 Nametrahany miaramila manerana an'i Edoma rehetra, ary ny Edomita rehetra dia tonga mpanompony. Ary Yaveh nampandresy an'i Davida teny amin'izay rehera nalehany. 15 Nanjaka teo amin'Israely rehetra i Davida, ary nitondra ny rariny sy ny fahamarinana tamin'ny olony rehetra izy. 16 Joaba zanak'i Zeroia no mpifehy ny tafika, ary Josafata zanak'i Ahiloda no mpirakitra. 17 Zadoka zanak'i Ahitoba sy Ahimeleka zanak'i Abiatara no mpisorona, ary Seraia no mpanora-dalàna. 18 Benaia zanak'i Joiada no niandraikitra ireo Heretita sy ireo Paletita, ary ireo zanak'i Davida no mpanolotsain'ny mpanjaka.
Eto i Davida dia manambara ireo miaramilany. DH: "Nanafika i Davida sy ireo miaramilany"
Eto ny hoe "izy" dia manondro an'i Davida izay manambara ireo miaramilany. DH: "Dia nandresy izy ireo"
Eto ny hoe "tsipika" dia "tady". Nampandriana tamin'ny tany ho an'i Davida ireo miaramila mba ho refesina sy ho sokajiana anatin'ny vondrona telo. Ny lehilahy mivondrona ho roa dia novonoina, ary ny amin'ny fahatelo, dia navela ho velona.
Eto ny hoe "Davida" sy "Hadadezera" dia samy manambara ireo tafik'izy ireo. DH: "Dia nandresy ny tafik'i Hadadezera i Davida sy ny tafiny"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia anarana faritra any Arama.
"mba hahazo ny fanapahana amin'ny faritra indray" na "mba hahazo ny faritra indray"
"miaramila an-tongotra 20.000"
Io dia fomba izay hanapahana ny hoza-pe aorian'ny tongotra mba tsy ho afaka handeha ireo soavaly.
"nanokana izay ampy" na "nitahiry izay ampy"
"kalesy 100"
Eto i Davida dia manambara ireo miaramilany. DH: "I Davida sy ireo miaramilany dia namono"
" miaramila Syriana 22.000"
"nandahatra vondrona lehibe tamin'ireo miaramilany mba hijanona any Syria"
Eto i Davida dia manambara ireo miaramilany.
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia anaran-toerana.
Eto i Davida dia manambara ireo miaramilany. DH: "nandresy ny tafik'i Davida"
Ireo dia zavatra sarobidy izay nalain'ireo miaramila tamin'ny vahoaka resin'izy ireo.
Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 8:3 ireo anarana ireo
Eto ny hoe "anarana" dia manondro ny lazan'i Davida. DH: "Tena nalaza i Davida"
Io dia anaran-toerana. Tsy fantatra izay tena misy izany.
"lehilahy 18.000"
"Nandahatra vondrona tamin'ireo miaramilany mba hijanona ao amin'ny faritra manerana an'i Edoma rehetra izy"
Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 2:12 ireo anarana ireo.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ny mpirakitra dia olona izay miresaka amin'ny olona sy miteny amin'izy ireo ny fanambaran'ny mpanjaka. DH: "Ahiloda no mpanambara"
Ireo dia anarana vondron'olona. Ireo olona ireo dia mpiambina an'i Davida.
1 Hoy i Davida hoe: "Misy olona tafajanona izay azoko anehoana hatsaram-panahy nohon'ny amin'i Jonatana ve ao amin'ny fianakavian'i Saoly?" 2 Nisy mpanompo iray antsoina hoe: Ziba tao amin'ny fianakavian'i Saoly, ary niantso azy ho any amin'i Davida izy ireo. Hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Ianao ve no Ziba?" Dia namaly izy hoe: "Eny, mpanomponao aho." 3 Ka hoy ny mpanjaka hoe: "Tsy misy olona tavela izay azoko anehoana ny hatsaram-panahin'Andriamanitra ve avy ao amin'ny fianakavian'i Saoly?" Namaly ny mpanjaka i Ziba hoe: "Jonatana dia mbola manan-janaka lahy, izay malemy tongotra." 4 Hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Aiza izy?" Dia namaly ny mpanjaka i Ziba hoe: "Indro, ao an-tranon'i Makira zanaka lahin'i Amiela any Lo-debara izy." 5 Avy eo i Davida mpanjaka naniraka azy sy nampamoaka azy tao an-tranon'i Makira zanaka lahin'i Amiela avy any Lo-debara. 6 Noho izany Mefiboseta zanak'i Jonatana zanaka lahin'i Saoly, dia nankeo amin'i Davida ary nampiankohoka ny tavany teo amin'ny tany ho voninahitr'i Davida. Hoy i Davida hoe: "Mefiboseta." Dia namaly izy hoe: "Indro, mpanomponao aho!" 7 Hoy i Davida taminy hoe: "Aza matahotra, fa haneho hatsaram-panahy aminao ho an'i Jonatana nohon'ny amin'ny rainao tokoa aho, ary hamerina aminao ny tanin'i Saoly raibenao rehetra aho, ary hihinana eo an-databatro mandrakariva ianao." 8 Niankohoka i Mefiboseta ary nanao hoe: "Inona ity mpanomponao, no tokony hijery amin-tsitraka amboa maty tahaka ahy ianao?" 9 Avy eo ny mpanjaka dia nampiantso an'i Ziba, mpanompon'i Saoly, ary nanao taminy hoe: "Izay an'i Saoly sy ny fianakaviany rehetra dia nomeko ny zafin'ny tomponao. 10 Ianao, ireo zanakao lahy, ary ireo mpanomponao dia tsy maintsy miasa ny tany ho azy ary tsy maintsy mijinja ny vokatra ianao mba hananan'ny zafin'ny tomponao hanina ho hanina. Fa i Mefiboseta, zafin'ny tomponao, dia tsy maintsy hihinana mandrakariva eo an-databatro." Ary Ziba dia nanan-janaka lahy dimy ambin'ny folo sy mpanompo roapolo. 11 Avy eo Ziba niteny tamin'ny mpanjaka hoe: "Ho ataon'ny mpanomponao izay rehetra andidian'ilay mpanjaka tompoko ny mpanompony." Dia nampian'ny mpanjaka hoe: 12 "Raha ny amin'i Mefiboseta dia hihinana eto an-databatro izy, toy ny iray amin'ireo zanaka lahin'ny mpanjaka." Nanan-janaka lahy tanora antsoina hoe Mika i Mefiboseta. Ny rehetra izay nipetraka tao an-tranon'i Ziba dia mpanompon'i Mefiboseta avokoa. 13 Koa dia nipetraka tany Jerosalema i Mefiboseta, ary nihinana teo an-databatry ny mpanjaka mandrakariva izy, na dia nalemy aza ny tongony roa.
"noho ny fitiavako an'i Jonatana"
I Jonatana dia zanak'i Saoly ary naman'i Davida indrindra.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Miantso ny tenany hoe "mpanomponao" i Ziba mba hanehoana fanajana an'i Davida.
Ny anarana hoe "hatsaram-panahy" dia afaka ambara hoe "tsara fanahy". DH: "Ho tsara fanahy araka ny nampanantenaiko an'Andriamanitra Aho"
"izay voa ny tongony". Ny teny hoe "tongotra" eto dia manondro ny fahafahana mandeha. DH: "izay tsy afaka mandeha"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia anaran-toerana.
Azo tsara fa naniraka mpitondra hafatra i Davida.
Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 4:4 io.
Ny teny hoe "nankeo" dia afaka adika hoe "nandeha".
Manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao'' i Mefiboseta mba hanehoana voninahitra lehibe ho an'i Davida.
"satria tiako ny rainao, dia i Jonatana"
Eto ny hoe "latabatra" dia manambara ny fiarahana amin'i Davida na hoe eo anatrehany. Ny fihinanana miaraka amin'ny mpanjaka eo an-databany dia tena voninahitra lehibe tokoa. DH: "hihinana miaraka amiko mandrakariva ianao"
Io fanontaniana fampisainana io dia maneho fa takatr'i Mefiboseta fa tsy dia manan-danja loatra ny ho karakarain'ny mpanjaka izy. Io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Tahaka ny alika maty aho. Tsy mendrika ho anao ny ho tsara fanahy amiko".
Eto i Mefiboseta dia manambara ny taranak'i Saoly, ary mampitaha ny tenany amin'ny "amboa maty" izy. Ny amboa dia biby mirenireny, tsy karakaraina, ary tsy dia misy dikany. Ny amboa maty dia heverina fa tsy misy dikany mihitsy aza. DH: "olona tahaka ahy izay tsy mendrika tahaka ny amboa maty"
Eto ny hoe "latabatro'' dia manambara ny fiarahana amin'i Davida na hoe eo anatrehany. Ny fihinana miaraka amin'ny mpanjaka eo an-databany dia tena voninahitra lehibe tokoa. DH: "tsy maintsy mihinana miaraka amiko"
Eto ny hoe "Ary" dia manisy fihatoana ao amin'ny vontoatin'ny fizotry ny tantara. Manome fampahafantarana fototra momba an'i Ziba ny mpitantara.
"zanaka lahy 15 sy mpanompo 20"
I Ziba dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" ary manondro an'i Davida amin'ny hoe "tompoko". DH: "Izaho, mpanomponao dia hanao ny rehetra izay andidianao ahy ho ataoko, ry mpanjakako"
Io dia anaran'ny zanaka lahin'i Mefiboseta.
Eto ny hoe "trano" dia manambara ny fianakavian'i Ziba. DH: "ny rehetra ao amin'ny fianakavian'i Ziba"
Eto ny hoe "latabatro'' dia manambara ny fiarahana amin'i Davida na hoe eo anatrehany. Ny fihinana miaraka amin'ny mpanjaka eo an-databany dia tena voninahitra lehibe tokoa. DH: "hihinana miaraka amin'ny mpanjaka mandrakariva eo an-databany izy"
"na dia simba aza ny tongony roa". Eto ny hoe "tongotra" dia manambara ny fahafahana mandeha. DH: "na dia tsy afaka mandeha aza izy"
1 Taty aoriana dia maty ny mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, ary lasa mpanjaka teo amin'ny toerany i Hanona zanany lahy. 2 Hoy i Davida hoe: "Hanao soa amin'i Hanona zanak'i Nahasy aho, tahaka ny nanaovan'ny rainy soa tamiko." Koa dia nandefa ireo mpanompony hampahery an'i Hanona mahakasika ny rainy i Davida. Niditra tao amin'ny tanin'ny vahoakan'i Amona ireo mpanompony. 3 Saingy hoy ireo mpitarika ny vahoakan'i Amona tamin'i Hanona tompon'izy ireo hoe: "Mihevitra tokoa ve ianao fa manome voninahitra ny rainao i Davida satria nandefa ireo mpanompony hampahery anao izy? Tsy efa nandefa ireo mpanompony taminao ve i Davida mba hijery ny tanàna, hitsikilo izany, mba handrava izany?" 4 Koa nosamborin'i Hanona ireo mpanompon'i Davida, noharatany ny antsasaky ny volombavan'izy ireo, notapahiny hatreny amin'ny foto-peny ny akanjon'izy ireo, ary noroahiny. 5 Rehefa nanazava izany tamin'i Davida izy ireo, dia nandefa olona hitsena azy ireo izy, satria afa-baraka tanteraka ireo lehilahy. Hoy ny mpanjaka hoe: "Mitoera ao Jeriko mandra-panirin'ny volombavanareo indray, ary miverena avy eo." 6 Rehefa hitan'ny vahoakan'i Amona fa lasa mangidy hoditra amin'i Davida izy ireo, dia nandefa mpitondra hafatra ny vahoakan'i Amona ary nanakarama ireo Syriana avy ao Beti-rehoba sy Zoba, miaramila nandeha an-tongotra roa alina, sy lehilahy arivo tamin'ny mpanjakan'i Maka, ary lehilahy roa arivo sy iray alina tamin'ireo olon'i Toba. 7 Rehefa nandre izany i Davida, dia nandefa an'i Joaba sy ny tafika miaramila rehetra izy. 8 Tonga ireo Amonita ary nilahatra hiady teo amin'ny fidirana teo amin'ny vavahadin'ny tanànan'izy ireo, raha mbola nijoro teo amin'ny saha malalaka ireo Syriana avy any Zoba sy Rehoba, ary ireo olona avy any Toba sy Maka. 9 Rehefa nahita ireo fahavalo teo anoloany sy tao aoriany i Joaba, dia nisafidy ny sasany tamin'ireo izay mahay miady indrindra izy ary nandamina azy ireo hiady amin'ireo Syriana. 10 Raha ny amin'ireo tafika sisa tavela, dia notolorany ho baikon'i Abisay rahalahiny, ka nalahiny hiady amin'ny tafik'i Amona izy ireo. 11 Hoy i Joaba hoe: "Raha mafy loatra ho ahy ireo Syriana, dia ianao, Abisay, no tsy maintsy manavotra ahy. Fa raha mafy loatra ho anareo ny tafik'i Amona, dia ho avy aho ary hanavotra anareo. 12 Mahereza, ary andeha isika haneho ny tanjantsika ho an'ny vahoakantsika sy ireo tanànan'ny Andriamanitsika, satria i Yaveh dia hanao izay tsara ho an'ny tanjony." 13 Koa nandroso i Joaba sy ireo miaramila tao amin'ny tafiny mba hiady hanohitra ireo Syriana, izay voatery nitsoaka teo anatrehan'ny tafik'Israely. 14 Rehefa nahita ireo miaramilan'ny Syriana nandositra ny tafik'i Amona, dia nitsoaka an'i Abisay koa izy ireo ary niverina tao amin'ny tanàna. Avy eo i Joaba niverina avy tany amin'ny vahoakan'i Amona ary niverina tany Jerosalema. 15 Rehefa hitan'ireo Syriana fa ho resin'Israely izy ireo, dia nivondrona niaraka indray izy ireo. 16 Avy eo Hadadezera nampiantso andiana Syriana avy any an-dafin'ny Onin'i Eofrata. Tonga tao Helama niaraka tamin'i Sobaka, ilay mpifehy ny tafik'i Hedadezera lohan'izy ireo izy ireo. 17 Rehefa nolazaina izany i Davida, dia namory ny Israely rehetra izy, niampita an'i Jordana, ary tonga tany Helama. Nilahatra hiady hanohitra an'i Davida ireo Syriana ary niady taminy. 18 Nandositra an'Israely ireo Syriana. Nahafaty miaramila mpitondra kalesy fitonjato sy mpitaingin-tsovaly efatr'alina i Davida. Naratra i Sobaka mpifehy ny tafik'izy ireo ary maty tany. 19 Rehefa hitan'ireo mpanjaka rehetra izay mpanompon'i Hadadezera fa resin'Israely izy ireo, dia nanao fihavanana tamin'Israely izy ireo ka lasa mpanompony. Noho izany ireo Syriana dia natahotra ny hanampy ny vahoakan'i Amona.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Mampiasa io fanontaniana io ireo mpitarika mba hanome soso-kevitra ny mpanjaka fa tsy tokony hatoky an'i Davida izy. DH: "Diso ianao raha mihevitra fa...ianao!"
maka vaovao momba ny olon-kafa an-tsokosoko
Mampiasa fanontaniana ireo mpitarika mba hanome soso-kevitra ny mpanjaka fa tsy tokony hatoky an'i Davida izy. DH: "Tokony ho fantatrao fa i Davida...mandrava izany."
Eto ny hoe "izany" dia manondro ny tanàna izay manambara ny vahoaka izay mipetraka any. DH: "mba handresena antsika"
Eto ny hoe "tanàna" dia manondro an'i Raba, renivohitry ny tanànan'ireo Amonita.
Io fihetsika io dia midika ho fanevatevana mba hanalam-baraka olona.
Eto ny hoe "tanteraka" dia fomba fiteny izay midika hoe "tena".
Azo tsara fa tokony hiverina any Jerosalema izy ireo.
Ny andianteny hoe "lasa mangidy hoditra" dia sarinteny ho an'ny hoe "lasa manafintohina izy ireo". DH: "lasa manafintohina tahaka ny fofona ratsy tamin'i Davida izy ireo"
Ireo dia anaran-toerana.
"20.000 ... 1.000 ... 12.000"
Eto ny hoe "tanàna" dia manondro an'i Raba, renivohitry ny tanànan'ireo Amonita.
Mitohy ny adin'ireo Syriana sy ireo Amonita.
"Nampiandraiketana an'i Abisay rahalahiny ny ambin'ny tafika"
Efa vonona hiady ny tafik'i Joaba.
Eto ny hoe "ahy" dia manondro an'i Joaba izay manambara ireo miaramilany. Abisay ihany koa dia manambara ireo miaramilany. DH: "ho anay, dia ianao, ry Abisay, sy ny tafikao no tsy maintsy mamonjy anay"
Eto i Abisay dia manambara ireo miaramilany. DH: "an'i Abisay sy ireo miaramilany"
Eto ny hoe "tanàna" dia manondro an'i Raba, renivohitry ny tanànan'ireo Amonita.
"ary niverina nankany Jerosalema"
DH: "rehefa fantatr'ireo Syriana fa nandresy azy ireo ny Israelita"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia midika hoe any atsinanan'ny Onin'i Eofrata.
Eto ny hoe "tonga tao'' dia afaka adika hoe "nandeha nankany" na hoe "niangona tao"
Io dia anaran-toerana.
Io andianteny io dia manondro toeram-pahefana. DH: "nitarika azy ireo"
DH: "Rehefa ren'i Davida ny momba izany"
Eto ny hoe "Israely" dia manambara ny tafik'Israely. DH: "nampiangona ny tafik'Israely rehetra hiaraka"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 10:15 ireo anarana ireo.
Eto i Davida dia manambara ireo miaramilany. DH: "nanohitra an'i Davida sy ireo miaramilany ary niady tamin'izy ireo"
Eto i Davida dia manambara ireo miaramilany. DH: "I Davida sy ireo miaramilany dia namono"
"700 ... 40.000"
DH: "Nandratra an'i Sobaka mpifehy ny tafika Syriana ireo Israelita, ka maty teo izy"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 10:15 ireo anarana ireo.
DH: "nahafantatra fa efa nandresy azy ireo ny Israelita"
1 Ary rehefa tonga ny lohataona, amin'ny fotoana izay fandehanan'ireo mpanjaka hiady, dia nirahin'i Davida i Joaba, mpanompony, sy ireo tafik'Israely rehetra. Nandringana ny tafik'i Amona ary nanao fahirano an'i Raba izy ireo. Saingy nijanona tany Jerosalema i Davida. 2 Nony tonga ny hariva dia nifoha teo am-pandriany i Davida ary nandeha tany amin'ny tafon'ny lapany. Avy eny izy no nahatazana vehivavy iray izay teo am-pandroana, ary tena mahafinaritra jerena ilay vehivavy. 3 Noho izany dia nandefa sy nanontany olona izay mahalala ny momba ilay vehivavy i Davida. Nisy olona iray niteny hoe: "Tsy i Batseba, zanaka vavin'i Eliama ve izany, ary tsy ilay vadin'i Oria ilay Hetita ve izy?" 4 Dia nandefa mpitondra hafatra i Davida ary naka azy; dia tonga tany aminy izy, ary niara-nandry taminy izy (satria vao avy nanadio ny tenany tamin'ny fadim-bolana izy). Avy eo dia niverina tany an-tranony izy. 5 Nitoe-jaza ilay vehivavy, ary nampaniraka sy niteny an'i Davida izy; hoy izy hoe: "Bevohoka aho." 6 Avy eo i Davida nampaniraka tany amin'i Joaba nanao hoe: "Alefaso aty amiko i Oria ilay Hetita." Dia nalefan'i Joaba tany amin'i Davida i Oria. 7 Rehefa tonga i Oria, dia nanontany azy i Davida hoe nanao ahoana Joaba, nanao ahoana ny tafika, ary nanao ahoana ny fandehan'ny ady. 8 Dia hoy i Davida tamin'i Oria hoe: "Midìna any amin'ny tranonao, ary sasao ny tongotrao." Ka dia niala tao amin'ny lapan'ny mpanjaka i Oria, ary nandefa fanomezana ho an'i Oria ny mpanjaka taorian'ny nandehanany. 9 Fa nandry teo am-baravaran'ny lapan'ny mpanjaka niaraka tamin'ireo mpanompon'ny tompony rehetra i Oria, ary tsy nidina tany an-tranony izy. 10 Rehefa niteny tamin'i Davida izy ireo hoe: "Tsy nidina tany an-tranony i Oria", dia hoy i Davida tamin'i Oria hoe: "Tsy avy nandeha ve ianao? Nahoana ianao no tsy nandeha nidina tany an-tranonao?" 11 Namaly an'i Davida i Oria hoe: "Ilay fiara, sy Israely ary Joda dia mijanona ao amin'ireo lay, ary Joaba tompoko sy tompon'ireo mpanompoko dia nitoby tany an-dohasaha. Ahoana ary no ahafahako mankany an-tranoko mba hihinana sy hisotro ary hatory hiaraka amin'ny vadiko? Raha mbola velona tokoa ianao, dia tsy hanao izany aho." 12 Ka hoy i Davida tamin'i Oria hoe: "Mijanòna eto aloha androany, fa rahampitso ianao havelako handeha." Ka nijanona tao Jerosalema tamin'io andro io sy ny ampitso i Oria. 13 Rehefa niantso azy i Davida, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany izy, ary nomamoin'i Davida izy. Ny hariva i Oria dia nivoaka mba hatory miaraka amin'ireo mpanompon'ny tompony eo am-pandriany; tsy nandeha nidina tany an-tranony izy. 14 Ary nony maraina dia nanoratra taratasy ho an'i Joaba i Davida, ary nandefa izany tamin'ny alalan'ny tanan'i Oria. 15 Davida nanoratra tao amin'ny taratasy nilaza hoe: "Apetraho eo anoloan'ny ady mafy indrindra i Oria, ary mialà eo aminy avy eo, mba mety ho voavely sy voavono izy." 16 Koa raha nanao fahirano tamin'ny tanàna i Joaba, dia nanendry an'i Oria tamin'ny toerana izay nahafantarany ireo miaramila fahavalo matanjaka indrindra hiadiana izy. 17 Rehefa nivoaka ireo lehilahin'ny tanàna ary niady tamin'ny tafik'i Joaba, dia lavo ny sasany tamin'ireo miaramilan'i Davida, ary Oria ilay Hetita ihany koa dia voavono tany. 18 Rehefa nandefa teny tany amin'i Davida momba ny zavatra mahakasika ny ady i Joaba, 19 dia nandidy ny mpitondra hafatra izy, nilaza hoe: "Rehefa voateninao amin'ny mpanjaka ny zavatra rehetra mahakasika ilay ady, 20 ny mety hiseho dia hoe ho tezitra ny mpanjaka, ka hiteny aminao izy hoe: 'Nahoana no nanakaiky loatra ny tanàna ianao no niady? Tsy fantatrao ve fa mety avy eny amin'ny manda izy ireo no hitifitra? 21 Iza no namono an'i Abimeleka zanak'i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy iray ve no nandefa vato fikosoham-bary taminy avy eny amin'ny manda, izay nahafaty azy tany Tebeza? Nahoana ianao no teny amin'izay akaiky dia akaikin'ny manda no nandeha?' Ary tsy maintsy hamaly ianao hoe: "Oria ilay Hetita mpanomponao ihany koa dia maty."' 22 Noho izany dia lasa ilay mpitondra hafatra ary nandeha tany amin'i Davida sy niteny taminy ny zavatra rehetra izay nanirahan'i Joaba azy ho lazaina. 23 Ary hoy ilay mpitondra hafatra tamin'i Davida hoe: "Natanjaka noho izahay ny fahavalo tany am-boalohany; nivoaka nankeo aminay teo an-tsaha izy ireo, fa noroasinay niverina tany amin'ny fidirana amin'ny vavahady. 24 Avy eo nitifitra tany amin'ireo miaramilanao avy eny amin'ny manda ny mpitifitr'izy ireo, ary voavono ny sasany tamin'ireo mpanompon'ny mpanjaka, ary maty ihany koa Oria ilay Hetita mpanomponao." 25 Dia hoy i Davida tamin'ilay mpitondra hafatra hoe: "Lazao an'i Joaba izao: 'Aza atao mahatezitra anao ity, fa ny sabatra dia handevona iray sy iray hafa. Hamafiso kokoa hanoherana ilay tanàna ny adinao, ka ravao izany,' ary amporisiho izy." 26 Ka rehefa ren'ny vadin'i Oria fa maty i Oria vadiny, dia nisaona tanteraka ny vadiny izy. 27 Rehefa nisinda ny alahelony, dia nampaniraka sy nampody azy tany amin'ny lapany i Davida, ka lasa vadiny izy ary niteraka zazalahy taminy. Kanefa tsy nankasitrahan'i Yaveh ny nataon'i Davida.
"Nitranga tamin'ny lohataona izany". Io dia mampiditra tranga vaovao ao amin'ny fizotry ny tantara.
"amin'ny fotoana anatin'ny taona"
Nirahin'i Davida mba hiady izy ireo. Izany dia afaka ambara mazava. Ny teny hoe "-ny" ihany koa dia manondro an'i Davida. DH: "Nirahin'i Davida hiady i Joaba, ireo mpanompony, ary ny tafika Israely rehetra"
"tafika Amonita"
Io dia anaran-tanàna.
"Koa nitranga izany". Mampiasa io andianteny io ny mpanoratra mba hampidirana ny tranga manaraka ao anatin'ny fizotry ny tantara.
Tsy teo amin'ny tafo ilay vehivavy, mety nandro teo ivelan'ny kianjan'ny tranony izy. DH: "vehivavy izay nandro tao amin'ny kianjan'ny tranony" (UDB)
Eto ny teny hoe "nandefa" dia midika fa naniraka mpitondra hafatra i Davida. DH: "Koa nandefa mpitondra hafatra i Davida"
Niezaka ny hahafantatra ny amin'ilay vehivavy i Davida. Ny teny hoe "izy" dia manondro an'i Davida, nefa koa sarinteny nampiasaina ho an'ny mpitondra hafatra izay nirahin'i Davida. Tokony hanontany olona ny mombamomba azy ny mpitondra hafatra. DH: "nanontany ny olona izay nahafantatra azy ny momba azy ny mpitondra hafatra"
Io fanontaniana io dia manome fampahalalana ary afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Batseba iny...ary vadin'i Oria Hitita izy".
"ary naka azy izy". Eto izany dia milaza fa naka ilay vehivavy i Davida, nefa tena ireo mpitondra hafatra izay nirahiny tokoa no naka azy sy nitondra azy teo aminy. DH: "ary nentin'izy ireo teo aminy izy"
Ny andianteny hoe "tonga tany aminy izy" dia fanoritsoritana an-tsary an'i Davida niray tamin'ilay vehivavy. Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra iray ihany ary nampiasaina miaraka mba hanindriana fa niara-nandry izy ireo. DH: "niara-nandry taminy izy" na "niray taminy izy"
fotoan'ny vehivavy isam-bolana
Eto ny teny hoe "nampaniraka" dia midika fa naniraka mpitondra hafatra izy. Naniraka azy mba hilaza amin'i Davida izy fa bevohoka"
Eto ny hoe "nampaniraka" dia midika fa nandefa mpitondra hafatra i Davida. DH: "Dia nandefa mpitondra hafatra i Davida"
Nanontany i Davida raha tsara i Joaba sy ny tafika ary ny momba ny fandrosoan'ny ady. DH: "raha tsara i Joaba, raha tsara ireo miaramila hafa, ary hoe nanao ahoana ny fandehan'ny ady" (UDB)
Ireo mety ho hevin'ny andianteny hoe "midina" dia 1) tao amin'ny toerana iva noho ny lapan'ny mpanjaka ny tranon'i Oria na 2) tsy dia manan-danja noho ny lapan'ny mpanjaka ny tranon'i Oria. DH: "Mandehana any amin'ny tranonao"
Io andianteny io dia sarinteny amin'ny fiverenana any an-trano mba hitsahatra amin'ny alina rehefa avy niasa ny tontolo andro. DH: "mitsahara rahalina"
Naniraka olona mba hitondra fanomezana ho an'i Oria i Davida. Io dia afaka ambara mazava. DH: "naniraka olona mba hanome fanomezana ho an'i Oria ny mpanjaka"
Ny teny hoe "-ny" dia manondro an'i Oria ary ny teny hoe "tompo" dia manondro an'i Davida.
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hanehoana ny fahatairan'i Davida fa tsy nitsidika ny vadiny i Oria. Io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Taorian'ny niaviana avy amin'ny dia lavitra, dia tokony nidina tany an-tranonao ianao".
Ireo dia manondro ny tafik'izy ireo. DH: "ireo tafik'i Israely sy Joda"
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hanindriana ny fandavan'i Oria ny hitsidika ny vadiny ary afaka adika ho fehezanteny. DH: "Tsy mety amiko ny handeha hidina any an-tranoko...hiaraka amin'ny vadiko nefa am-bava loza ireo miaramila hafa ao amin'ny tafika."
Mianiana fampanantenana mafy i Oria fa tsy hody any amin'ny vadiny raha mbola anaty ady ny ambin'ireo miaramila. Manao io fampanantenana io izy amin'ny fampitahana ny fahamarinan'ny fampanantenany amin'ny fahazoana antoka fa velona ny mpanjaka. DH: "Mampanantenana mafy aho fa tsy hanao izany!"
"Nihinana sy nisotro niaraka tamin'i Davida i Oria"
Ireo mety ho hevin'ny andianteny hoe "midina" dia 1) tao amin'ny toerana iva noho ny lapan'ny mpanjaka ny tranon'i Oria na 2) tsy dia manan-danja noho ny lapan'ny mpanjaka ny tranon'i Oria. Jereo ny nandikanao io andianteny hoe "nidina tany an-tranonao" io ihany ao amin'ny 11:6. DH: "tany an-tranony"
Ny andianteny hoe "tanan'i Oria" dia manondro an'i Oria mihitsy. DH: "naniraka an'i Oria mba hanolotra azy izany"
"teo anoloan'ny laharan'ady indrindra izay tena ratsy ny fiadiana"
"baikoy ireo miaramila mba hiala aminy"
"mety haratra izy ka ho faty"
Ny teny hoe "fahirano" dia afaka ambara miaraka amin'ny matoanteny hoe "manodidina" sy "manafika". DH: "manodidina ary manafika ny tanàna ny tafiny"
Ny teny hoe "lavo" dia fomba mihaja hanondroana ireo miaramila maty. DH: "maty ireo miaramilan'i Davida" na "novonoin'izy ireo ny sasany tamin'ireo miaramilan'i Davida"
DH: "anisan'izany i Oria Hetita" (UDB) na "ary novonoin'ireo lehilahy tao amin'ny tanàna ihany koa i Oria Hetita"
Ny andianteny hoe "nandefa teny" dia midika fa nandefa mpitondra hafatra mba hitondra tatitra izy. DH: "Nandefa mpitondra hafatra mba hitondra tatitra i Joaba"
Lazain'i Joaba fa mety hiteny mafy azy i Davida tamin'ny nametrahany ireo fanontaniana fampisainana ireo. Ireo fanontaniana ireo dia mety ho soratana ho fehezanteny. DH: "Tokony tsy nandeha akaiky loatra ny tanàna mba hiady ianao. Tokony ho fantatrao fa hitifitra avy eny amin'ny manda izy ireo".
Io dia manondro ireo lehilahin'ny tanàna mitifitra zana-tsipìka midina any amin'ny fahavalon'izy ireo avy eny an-tampon'ny mandan'ny tanàna. DH: "nitifitra zana-tsipìka anao avy eny an-tampon'ny mandan'ny tanàna"
Lazain'i Joaba fa mety hiteny mafy azy i Davida tamin'ny nametrahany ireo fanontaniana fampisainana ireo. Ireo dia mety ho soratana ho fehezanteny. DH: "Tsarovy ny fomba nahafaty an'i Abimeleka zanak'i Jerobeseta!"
Io dia anaran-dehilahy. Fantatra amin'ny anarana hoe Gideona ihany koa ny rainy.
Lazain'i Joaba fa mety hiteny mafy azy i Davida tamin'ny nametrahany ireo fanontaniana fampisainana ireo. Ireo dia mety ho soratana ho fehezanteny. DH: "Tsarovy fa maty tany Tebeza izy rehefa nisy vehivavy nandatsaka vato fikosoham-bary taminy avy eny amin'ny tampon'ny manda."
vato mavesatra izay afaka mikodiadia, nampiasaina mba hamotehina vary hanaovana mofo
"avy eny amin'ny tampon'ny mandan'ny tanàna"
Io dia anaran-tanàna.
Lazain'i Joaba fa mety hiteny mafy azy i Davida tamin'ny nametrahany ireo fanontaniana fampisainana ireo. Ireo dia mety ho soratana ho fehezanteny. DH: "Tokony tsy nandeha akaiky loatra ny manda ianao!"
"vavahadin'ny tanàna"
"nitifitra zana-tsipìka ny mpitifitr'izy ireo"
DH: "novonoin'izy ireo ny sasany tamin'ireo mpanompon'ny mpanjaka"
Eto ny hoe "mpanompo" dia manondro ireo miaramila, fa tsy ireo andevo, satria ny miaramila dia mpanompon'ny mpanjaka.
DH: "novonoin'izy ireo i Oria Hetita mpanomponao"
Eto ny hoe "sabatra" dia manondro olona izay mamono amin-tsabatra. Ny famonoana olona amin-tsabatra ihany koa dia resahina toy ny hoe sabatra izay "mihinana" ny olona. DH: "fa ny olona iray dia mety ho fatin-tsabatra tahaka izany koa ny olona iray hafa" na "fa ny olona dia mety ho faty an'ady"
"Miadia mafy kokoa"
Eto ny mpanoratra dia miresaka ny fisaonany fatratra tahaka ny hoe lalina ao anatiny izany. DH: "nisaona fatratra izy" na "nisaona mafy izy"
fahatsapana fahoriana lalina avy amin'ny fijaliana, fahadisoam-panantenana na loza
Eto ny teny hoe "nampaniraka" dia midika fa naniraka mpitondra hafatra mba haka azy sy hitondra azy any aminy izy. DH: "nandefa mpitondra hafatra ho any aminy sy hitondra azy i Davida"
"nampalahelo" na "nampatezitra"
1 Ary Yaveh nandefa an'i Natana tany amin'i Davida. Tonga teo aminy izy ary niteny hoe: "Indray andro dia nisy lehilahy anankiroa tao amin'ny tanàna iray. 2 Nanan-karena ny lehilahy iray ary ny iray hafa nahantra. Ilay iray nanan-karena dia nanana ondry aman'osy sy omby maro be, 3 fa ilay lehilahy nahantra tsy nanana na inona na inona afa-tsy ondrivavy kely iray, izay novidiany sy nofahanany ary nompiany. Niara-lehibe taminy sy tamin'ireo zanany izany. Niara-nihinana taminy sy nisotro tamin'ny kapoakany mihitsy aza ilay ondry, ary natory teo amin'ny sandriny tahaka ny zanany vavy izany. 4 Indray andro dia nisy mpitsidika tonga tao amin'ilay lehilahy manan-karena, fa tsy te-haka biby iray avy ao amin'ny andian'ondry aman'osiny sy ireo ombiny mba homena ho sakafo ho azy ilay lehilahy manan-karena. Fa nalainy kosa ny ondrivavy kelin'ilay lehilahy mahantra ary nandrahoany ho an'ny mpamangy azy izany." 5 Nirehitry ny hatezerana tamin'ilay lehilahy manan-karena i Davida, ka niteny an-katezerana tamin'i Natana hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia mendrika ny ho vonoina ho faty ny lehilahy izay nanao izany. 6 Tsy maintsy honerany efatra heny ny zanak'ondry satria nanao zavatra tahaka izany izy, ary satria tsy nanana antra tamin'ilay lehilahy nahantra izy." 7 Ary hoy i Natana tamin'i Davida hoe: "Ianao izany lehilahy izany! Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, niteny hoe: 'Nanosotra anao ho mpanjakan'Israely Aho, ary namonjy anao hiala teo an-tanan'i Saoly. 8 Nanome anao ny tranon'ny tomponao Aho, ary ireo vadin'ny tomponao ho eo an-tsandrinao. Nomeko anao ihany koa ny ankohonan'Israely sy Joda. Fa raha mbola kely loatra izany, dia ho nanome anao zavatra maro hafa ho fanampiny aho. 9 Koa nahoana ianao no nanao tsinontsinona ireo didin'i Yaveh, ary nanao izay ratsy teo imasony? Novonoinao tamin'ny sabatra i Oria ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny. Novonoinao tamin'ny sabatry ny tafik'i Amona izy. 10 Koa ankehitriny dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay ny sabatra, satria nanao tsinontsinona ahy sy naka ny vadin'i Oria ilay Hetita ho lasa vadinao ianao.' 11 Hoy Yaveh hoe: 'Indro, hanangana loza hanohitra anao avy ao amin'ny ankohonanao ihany Aho. Eo anoloan'ny masonao ihany, no hakako ireo vadinao ary hanomezako azy ireo ho an'ny namanao, ary hiara-handry am-pahalalahana amin'ireo vadinao amin'ny atoandrobe-nanahary izy. 12 Fa nanota niafina ianao, saingy hataoko eo anatrehan'Israely rehetra izany zavatra izany, amin'ny atoandrobe-nanahary."' 13 Dia hoy i Davida tamin'i Natana hoe: "Nanota tamin'i Yaveh aho." Namaly an'i Davida i Natana hoe: "Yaveh ihany koa efa namela ny fahotanao. Tsy ho vonoina ianao. 14 Kanefa, satria tamin'ny alalan'izany fihetsika izany no nanaovanao tsinontsinona an'i Yaveh, dia ho faty tokoa ny zaza izay aterakao." 15 Avy eo dia niala i Natana ary nody tany an-trano. Namely ilay zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida i Yaveh, ka narary mafy izy. 16 Avy eo dia nitalaho mafy tamin'Andriamanitra ho an'ilay zazalahy i Davida. Nifady hanina i Davida ary niditra tao ka nandry tamin'ny tany ny alina tontolo. 17 Ireo loholon'ny tranony dia nijanona sy nitsangana teo anilany, mba hampiarina azy avy eo amin'ny tany, fa tsy nety niarina izy, ary tsy nety hisakafo niaraka tamin'izy ireo. 18 Ary tamin'ny andro fahafito no nahafaty ilay zazalahy. Ireo mpanompon'i Davida dia natahotra ny hilaza taminy fa maty ilay zaza, fa hoy izy ireo hoe: "Indro, raha mbola velona ilay zaza dia niresaka taminy izahay, ary tsy nihaino ny feonay izy. Inona no mety ho hataony amin'ny tenany raha milaza aminy izahay fa maty ilay zazalahy?!" 19 Fa rehefa hitan'i Davida fa nifampibitsibitsika ireto mpanompony, dia fantatr'i Davida fa maty ilay zaza. Hoy izy tamin'ireo mpanompony hoe: "Maty ve ilay zaza?" Namaly izy ireo hoe: "Maty izy." 20 Dia nitsangana avy teo amin'ny tany i Davida ary nanasa ny tenany, nihosotra diloilo, ary nanolo ireo fitafiany. Nandeha nankany amin'ny tabernakelin'i Yaveh izy ary nanao fanompoam-pivavahana tany, ary avy eo niverina nody tany amin'ny lapany izy. Rehefa nangataka izy, dia napetrak'izy ireo teo anoloany ny sakafo, ka nihinana izy. 21 Avy eo ireo mpanompony niteny taminy hoe: "Nahoana no nanao izao ianao? Nifady hanina ianao ary nitomany an'ilay zaza fony mbola velona izy, fa rehefa maty ilay zaza, dia nitsangana ianao ary nihinana." 22 Dia namaly i Davida hoe: "Raha mbola velona ilay zaza dia nifady hanina sy nitomany aho. Hoy aho hoe: 'Iza no mahalala na hamindra fo amiko Yaveh na tsia, ka mety ho velona ilay zaza?' 23 Fa ankehitriny maty izy, koa nahoana aho no tokony hifady hanina? Afaka hamerina azy indray ve aho? Handeha ho any aminy aho, fa tsy hiverina amiko izy." 24 Nampionona an'i Batseba vadiny i Davida, ary niditra tao aminy, ka niara-nandry taminy. Taty aoriana dia niteraka zazalahy izy, ary nomeny ny anarana hoe Solomona ilay zaza. Nitia azy Yaveh 25 ary nandefa teny tamin'i Natana mpaminany Izy mba hanao ny anarany hoe Jedidia, satria tia azy Yaveh. 26 Ary Joaba dia niady tamin'i Raba, ilay tanànan'ny mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, ary babony ny fiarovana mafy. 27 Noho izany dia nandefa mpitondra hafatra ho any amin'i Davida i Joaba ary niteny hoe: "Niady tamin'i Raba aho, ary nalaiko ny famatsian-dranon'ilay tanàna. 28 Ankehitriny ary angony miaraka ireo ambin'ny tafikao ary mitobia hanohitra ny tanàna ary alaivo izany, satria raha alaiko ilay tanàna, dia hitondra ny anarako izany." 29 Dia nanangona ny tafika rehetra i Davida ka nandeha tany Raba; niady tamin'ilay tanàna izy ary nambabo izany. 30 Nalain'i Davida teny amin'ny lohan'ny mpanjakan'izy ireo ny satro-boninahitra—talenta volamena iray no lanjan'izany, ary nisy vato sarobidy tao anatiny. Napetraka teo ambony lohan'i Davida ilay satro-boninahitra. Avy eo dia nentiny nivoaka ireo babon'ny tanàna maro be. 31 Nentiny nivoaka ireo olona izay tao amin'ilay tanàna ary notereny hiasa amin'ny tsofa, sy vy fanaketohana, ary famaky izy ireo; nasainy niasa tany amin'ny lafaoro fandoroam-biriky izy ireo. Notakian'i Davida mba hanao izany asa izany ny tanànan'ny vahoakan'i Amona rehetra. Avy eo dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ireo tafika rehetra.
ondry vavy
Io dia manondro ny maha-akaiky io lehilahy io sy ilay zanak'ondry kely. DH: "tiany loatra tahaka ny iray amin'ireo zanany vavy izany"
zanak'ondry, vavy
Izany dia mba hohanin'ny mpitsidika azy. DH: "ho an'ny mpitsidika azy mba hohanina"
Eto ny mpanoratra dia manoritsoritra ny haben'ny hatezeran'i Davida toy ny hoe namay noho ny hatezerany ny vatany. DH: "Lasa romotra i Davida" na "Lasa tezitra mafy i Davida"
Izany dia midika fa niteny tamim-pahatezerana an'i Natana i Davida.
Io dia manambara fa nianiana fianianana na fampanantenana tena izy i Davida. DH: "Ambarako, raha velona tokoa i Yaveh"
Io dia midika hoe ho vonoina. DH: "ho vonoina" na "ho faty"
Ny fatra takiana amin'ilay lehilahy manan-karena dia ny hamerina amin'ilay mahantra efatra heny izay vidin'ilay zanak'ondry. "Tsy maintsy mandoa efatra heny amin'ny vidin'ilay ondry amin'ilay mahantra izy"
mahatsapa alahelo na tia olona izay mijaly na maratra na tsy notiavina
Eto ny teny hoe "tanana" dia manondro fifehezana. DH: "hiala tamin'ny fifehezan'i Saoly" na "tamin'ny fifehezan'i Saoly"
Eto i Yaveh dia manoritsoritra ny fananan'i Davida ny vadin'ireo tompony ho vadiny, tamin'ny filazany fa teo "an-tsandriny" izy ireo. DH: "ny vadin'ny tomponao ho vadinao"
Eto i Yaveh dia miresaka ny fomba nanomezany ny fahefany an'i Davida ho mpanjaka amin'ny Israely sy Joda toy ny hoe nanome ny ankohonan'Israely sy Joda ho fanomezana izy. Ny andianteny hoe "ny ankohonana" dia midika hoe "vahoakan'ny". DH: "Nomeko anao ihany koa ny fahefana haha-mpanjaka anao amin'ny Israely sy Joda"
"raha tsy ampy izay nomeko anao"
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hibedesana an'i Davida. Izany dia afaka soratana ho fanambarana. DH: "Tsy tokony nanao tsinontsinona ianao...Yaveh ary tsy tokony nanao izay ratsy teo imasony!"
Ny hoe "imason'i" Yaveh dia manondro izay eritreretiny. Eto izany dia miresaka manokana izay heveriny ho ratsy. DH: "ary hanao izay heveriny fa ratsy"
Tsy i Davida no namono an'i Oria, fa nandamina azy ho vonoina an'ady izy. Ny andianteny hoe "tamin'ny sabatra" dia manambara ny fomba nahafatesan'i Oria tao anatin'ny ady. DH: "Efa nandamina an'i Oria Hetita ho faty an'ady ianao"
Tsy i Davida no namono an'i Oria, fa nandamina azy ho vonoina an'ady izy rehefa niady tamin'ny Amonita ny Israely. Ny andianteny hoe "tamin'ny sabatra" dia manondro ny fomba nahafatesany tao anatin'ny ady. DH: "Nandamina azy ho faty tamin'ny ady nanohitra ny tafika Amonita ianao"
Eto ny teny hoe "sabatra" dia manondro ny olona maty an'ady. Ny "ankohonan'i" Davida ihany koa dia manondro ny taranany. DH: "ny sasany amin'ireo taranakao dia ho faty an'ady mandrakariva" (UDB)
Eto ny hoe "ankohonan'i" Davida dia manondro ny fianakaviana. DH: "avy amin'ny fianakaviana ihany"
Eto i Davida dia tondroina amin'ny masony mba hanindriana izay ho hitany. DH: "Raha mijery ianao"
"amin'ny atoandro be". Ny hevitry ny fanaovan-javatra "malalaka" na amin'ny fomba izay tena fantatra ny fitrangany dia matetika resahina toy ny hoe natao tamin'ny "atoandro". DH: "malalaka" na "ary hahita izay hitranga ny olona rehetra"
"nanota"
Io andianteny io dia miresaka ny fahafantaran'ny vahoakan'ny Israely momba izay nitranga tamin'ireo vadiny toy ny hoe tena nijoro vavolombelona ny amin'izay hitranga izy rehetra. DH: "teo anoloan'ny vahoakan'ny Israely" na "ary ny vahoakan'ny Israely rehetra dia hahalala momba izany"
Efa namela ny fahotan'i Davida i Yaveh. Ny famelan'i Yaveh ny fahotany dia resahina toy ny hoe zavatra izay nandeha ary tsy niraharaha. DH: "namela"
Indraindray dia maty noho ny otany ny olona, nefa tsy faty noho ny fahotany tamin'ny fiarahana tamin'ny vehivavy izy. Io dia azo ambara mazava. DH: "Tsy ho faty ianao" na "tsy ho faty noho izany ota izany ianao" (UDB)
mankahala mafy na tsy tia olona na zavatra
Ny andianteny hoe "izay aterakao" dia midika fa zanak'i Davida izany. DH: "ny zaza izay ho teraka"
Eto ny mpanoratra dia miresaka ny nampararian'i Yaveh ilay zaza toy ny hoe nanafika ilay zaza i Yaveh. DH: "Nampahorian'i Yaveh ilay zaza izay...ary narary mafy izy" na "Nahatonga ilay zaza ho...i Yaveh ka nanjary narary mafy izy"
Izany dia midika fa niteraka zaza izy ary i Davida no rainy. DH: "Ny zanak'i Davida, izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i"
miangavy na mangataka amin'ny faniriana lehibe
Nankao an'efitranony i Davida rehefa irery izy. DH: "nankao an'efitranony"
"ary namporisika azy mba hiarina amin'ny tany"
"Nitranga izany"
Ireo mpanompo eto dia tondroina amin'ny feon'izy ireo mba hanindriana fa miresaka izy ireo. DH: "tsy nihaino anay izy"
"ny andro faha-7". Izany dia manondro ny andro fahafito aorian'ny fahaterahan'ny zaza. DH: "ny andro fahafito aorian'ny nahaterahany"
Io dia fomba fiteny nampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona. DH: "Henoy"
Manontany io fanontaniana fampisainana io ireo mpanompo mba hilazana ny tahotr'izy ireo. Io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Matahotra izay fa mety handratra ny tenany izy raha lazainay aminy fa maty ny zanany lahy!"
"miresaka tena mangina"
"azo"
"niarina"
Ireo andininy ireo dia misy fanontaniana fampiasainana izay hanindriana fa tonga saina i Davida fa efa namela izany hitranga i Yaveh.
Mametraka io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hanindriana fa tsy misy olona nahalala raha hamela ilay zaza ho velona i Yaveh. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy misy mahalala na hamindra fo amiko i Yaveh na tsy la ho velona ihany ilay zaza."
Mametraka io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hanindriana fa tsy manana antony hifadian-kanina intsony izy. Io dia afaka soratana ho fanambarana. DH: "Ankehitriny dia efa maty izy ka tsy hilaina intsony ny mifady hanina."
Mametraka io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hanindriana fa tsy afaka ny ho velona indray ilay zazalahy. Io dia afaka soratana ho fanambarana. DH: "Tsy afaka mamerina ny ainy aho."
Manazava i Davida fa handeha any amin'ny misy ilay zaza izy rehefa maty. DH: "Rehefa maty aho dia handeha amin'ny misy azy"
Ny andianteny hoe "niditra tao aminy" dia fanoritsoritana an-tsary an'i Davida miray amin'ny vadiny. Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany fa nampiasaina miaraka mba hanindriana fa niara-nandry izy ireo. DH: "niara-nandry taminy"
Eto ny hoe "teny" dia manondro ny hafatra izay nolazain'i Yaveh tamin'i Natana mba holazaina amin'i Davida. DH: "naniraka an'i Natana mba hilaza aminy Izy"
Io dia anarana hafan'i Solomona zanak'i Davida, izay nofidian'i Yaveh ho azy.
Eto ny mpanoratra dia miteny hoe "Joaba" nefa manondro an'i Joaba sy ireo miaramilany izay niaraka niady izy. DH: "niady i Joaba sy ireo miaramilany...babon'izy ireo"
Ny fiadiana amin'io tanàna io ara-bakiteny dia midika hoe miady amin'ny vahoakan'i Raba. Adikao tahaka ny nanaovanao izany ao amin'ny 11:1 io anarana io. DH: "ny vahoakan'i Raba"
"Koa dia nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Davida i Joaba mba hilaza aminy"
Ny "fakana" toerana iray na tany voafaritra dia midika hoe mifehy izany. DH: "nifehy ny famatsian-dranon'ilay tanàna"
Eto i Joaba dia miresaka ny tenany ihany rehafa tena manondro ny tenany sy ireo miaramilany izy. DH: "Niady ireo miaramilako sy izaho...nalain'ny miaramilako sy izaho...raha alain'ireo miaramilako sy izaho"
Io dia midika hoe mihodidina sy manafika. DH: "manao fahirano" na "mihodidina"
Ny "fakàna" toerana iray na tany voafaritra dia midika hoe mifehy izany. DH: "nifehy ny famatsian-dranon'ilay tanàna"
DH: "hanome anarana izany ny vahoaka"
Eto ny mpanoratra dia miteny an'i Davida rehefa manondro an'i Davida sy ireo miaramilany mihitsy izy. DH: "Niadian'i Davida sy ireo miaramilany tamin'ny"
Io dia afaka soratana amin'ny lanja efa mivoatra. DH: "34 kilao"
vatosoa tsy fahita firy toy ny hoe diamondra, robia, safira, emeralda, na akorandriaka
DH: "Napetrak'izy ireo teo amin'ny lohan'i Davida ny satro-boninahitra"
Eto ny mpanoratra dia miteny an'i Davida rehefa manondro an'i Davida sy ireo miaramilany mihitsy izy. DH: "nentin'izy ireo nivoaka"
zavatra sarobidy nalaina tamin'ny fahavalo resy
"habetsaka'' na "isa"
Tsy i Davida no nitondra ny olona nivoaka; fa nandidy ireo miaramilany mba hitondra azy ireo mivoaka izy. DH: "Nandidy ireo miaramilany mba hitondra ny olona hivoaka i Davida"
Ireo dia fitaovana hanapahana hazo na hamakiana tany.
lafaoro izay hanamainana sy hanamafisana biriky
Io dia manondro ny vahoaka ao amin'ireo tanàna. DH: "ny vahoaka rehetra ao amin'ireo tanànan'i Amona"
1 Ary taorian'izany i Amnona zanaka lahin'i Davida, dia tena voasarika tamin'i Tamara anabaviny tsara tarehy, izay tena anabavin'i Absaloma, zanaka lahin'i Davida hafa. 2 Niady saina be i Amnona ary nanjary narary izy nohon'ny amin'i Tamara anabaviny. Virijiny izy, ary toa tsy nety tamin'i Amnona mihitsy ny hanao zavatra aminy. 3 Fa i Amnona dia nanana namana izay Jonadaba ny anarany zanaka lahin'i Simea, rahalahin'i Davida. Jonadaba dia lehilahy fetsy tokoa. 4 Hoy Jonadaba tamin'i Amnona hoe: "Nahoana, ry zanaky ny mpanjaka, no ketraka isa-maraina ianao? Tsy hiteny amiko ve ianao?" Dia namaly azy Amnona hoe: "Tiako i Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiko." 5 Dia hoy i Jonadaba taminy hoe: "Mandria eo amin'ny fandrianao ary modia marary. Rehefa tonga hijery anao ny rainao, dia anontanio izy hoe: 'Afaka alefanao aty amiko ve i Tamara anabaviko azafady mba hanome zavatra ho haniko sy hahandro izany eto anoloako, ka mba ahafahako mahita izany sy mihinana izany avy amin'ny tanany?'" 6 Noho izany dia nandry Amnona ka nody narary. Rehefa tonga nijery azy ny mpanjaka, dia hoy Amnona tamin'ny mpanjaka hoe: "Mba alefaso re Tamara anabaviko mba hanao sakafo eto anoloako amin'izao aretiko izao mba ahafahako mihinana izay avy amin'ny tanany." 7 Dia nandefa teny ho an'i Tamara tao an-dapany i Davida, nanao hoe: "Mandehana any amin'ny tranon'i Amnona anadahinao izao ka manomàna sakafo ho azy." 8 Dia nandeha tany amin'ny tranon'i Amnona anadahiny tany amin'izay nandriany i Tamara. Naka koba izy ary namolavola izany ka nanamboatra mofo teo imasony, ary dia nahandro izany izy avy eo. 9 Nalainy ny lasitra ka nomeny azy ny mofo, fa nandà tsy hihinana izy. Avy eo dia hoy i Amnona tamin'ireo hafa izay teo hoe: "Avohay any ivelany ny olona rehetra, ho lavitra ahy." Ka nandeha niala teo aminy ny olona rehetra. 10 Ary hoy i Amnona tamin'i Tamara hoe: "Ento ao amin'ny efitranoko ny sakafo mba hihinanako azy avy amin'ny tananao." Dia nalain'i Tamara ny mofo izay efa nataony, ka nentiny tao amin'ny efitranon'i Amnona anadahiny. 11 Rehefa nitondra ny sakafo teo aminy izy, dia nihazona azy izy ka niteny taminy hoe: "Avia, mandria miaraka amiko, ry anabaviko." 12 Namaly azy izy hoe: "Tsia, ry anadahiko, aza terena aho, fa tsy tokony atao eto Israely ny zavatra tahaka izany. Aza manao izany zavatra maharikoriko izany! 13 Ahoana no hialako amin'ny fahamenarako? Ary ny aminao? Ho tahaka ny iray amin'ireo adala eto Israely ianao! Ankehitriny, mba miresaha amin'ny mpanjaka, fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy." 14 Fa na izany aza dia tsy nihaino azy Amnona. Satria natanjaka noho Tamara izy, dia nisambotra azy izy ary nandry niaraka taminy. 15 Ary nankahala an'i Tamara tamin'ny fankahalana tafahoatra i Amnona. Nankahala azy lavitra noho ny naniriany azy izy. Hoy i Amnona taminy hoe: "Mitsangàna ary mandehana." 16 Fa izy namaly azy hoe: "Tsia! Satria izao faharatsiana lehibe amin'ny fandroahanao ahy izao dia ratsy noho ny nataonao tamiko!" Nefa tsy nihaino azy i Amnona. 17 Fa kosa, niantso ireo mpanompony izy ka nanao hoe: "Esory tsy ho eto amiko ity vehivavy ity, ary hidio ny varavarana rehefa tafavoaka izy." 18 Dia navoakan'ny mpanompony tany ivelany izy ary nidiny ny varavarana rehefa tafavoaka izy. Nitafy akanjo lava voaravaka tsara i Tamara satria ireo zanaka vavin'ny mpanjaka izay virijiny dia niakanjo toy izany. 19 Nasian'i Tamara lavenona teo amin'ny lohany ary norovitiny ny akanjony. Niloloha ny tanany tamin'ny lohany izy ary nandeha, nitomany mafy teny am-pandehanana. 20 Hoy i Absaloma anadahiny taminy hoe: "Niaraka taminao ve i Amnona anadahinao? Nefa mangina, ry anabaviko. Anadahinao izy. Aza mandray izany zavatra izany am-po." Dia nitoetra irery tao amin'ny tranon'i Absaloma anadahiny i Tamara. 21 Fa rehefa henon'i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia tezitra mafy izy. 22 Ary i Absaloma tsy niteny na inona na inona tamin'i Amnona, satria i Absaloma nankahala azy noho izay efa nataony taminy sy ny fomba nanalany baraka an'i Tamara anabaviny. 23 Ary nony afaka roa taona katroka dia nanana mpanety ondry niasa tao Bala-hazora i Absaloma, izay akaikin'i Efraima, ary Absaloma nanasa ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra mba hitsidika ao. 24 Nankany amin'ny mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: "Indro ankehitriny, ny mpanomponao dia manana mpanety ondry. Koa, aoka ny mpanjaka sy ireo mpanompony hiaraka amiko, mpanomponao." 25 Dia namaly an'i Absaloma ny mpanjaka hoe: "Tsia, ry zanako, tsy tokony handeha hiaraka aminao avokoa izahay rehetra satria ho enta-mavesatra ho anao." Namporisika ny mpanjaka i Absaloma, nefa tsy nandeha izy, kanefa nitso-drano an'i Absaloma izy. 26 Dia hoy i Absaloma hoe: "Raha tsy izany, avelao re i Amnona rahalahiko andeha hiaraka aminay." Dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Fa nahoana i Amnona no tokony hiaraka aminareo?" 27 Noteren'i Absaloma i Davida, ka dia namela an'i Amnona sy ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra andeha hiaraka aminy izy. 28 Nandidy ireo mpanompony i Absaloma nanao hoe: "Mihainoa tsara. Rehefa manomboka mamon'ny divay i Amnona, ary rehefa miteny aminareo aho hoe: 'Tafiho i Amnona,' dia vonoy izy. Aza matahotra. Tsy efa nandidy anareo ve aho? Mahereza ary manàna herim-po." 29 Koa dia nataon'ireo mpanompon'i Absaloma tamin'i Amnona araka izay efa nandidiany azy ireo. Dia nitsangana ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra, ary nitaingina ny ampondrany ny olona rehetra ka nandositra. 30 Ary raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga tany amin'i Davida ny vaovao manao hoe: "Novonoin'i Absaloma ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra, ka tsy nisy na dia iray aza niangana tamin'izy ireo." 31 Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry teo amin'ny tany; ary ireo mpanompony rehetra nijoro teo akaiky teo niaraka tamin'ny fitafiana rovitra. 32 Ary i Jonadaba zanak'i Simea, rahalahin'i Davida, namaly ary nanao hoe: "Aoka ny tompoko tsy hino fa namono ny tovolahy rehetra izay zanaky ny mpanjaka izy ireo, satria i Amnona irery no maty. Absaloma efa nanomana izao nanomboka tamin'ny andro izay nanolanan'i Amnona an'i Tamara anabaviny. 33 Noho izany aoka ny tompoko mpanjaka tsy handray izany tatitra izany am-po, ka hino fa ny zanaky ny mpanjaka rehetra no maty, satria Amnona irery ihany no maty." 34 Nandositra lavitra i Absaloma. Nisy mpanompo mpiambina nanandratra ny masony ka nahita olona maro tamy teny amin'ny lalana teny amin'ny havoana andrefany. 35 Dia hoy i Jonadaba tamin'ny mpanjaka hoe: "Indro, tamy ireo zanaka lahin'ny mpanjaka. Tahaka izay nolazain'ireo mpanomponao mihitsy izany." 36 Ary rehefa tapitra ny teniny, dia tonga ireo zanaka lahin'ny mpanjaka ka nanandratra ny feon'izy ireo ary nitomany. Ny mpanjaka sy ny mpanompony rehetra koa dia nitomany mafy. 37 Fa i Absaloma nandositra ary nankany amin'i Talmay, zanaka lahin'i Amihoda, ilay mpanjakan'i Gesora. Nisaona ny zanany isan'andro i Davida. 38 Noho izany i Absaloma dia nandositra ary nankany Gesora, izay nitoerany telo taona. 39 Fa ny sain'i Davida Mpanjaka naniry hivoaka hijery an'i Absaloma, fa nionona mahakasika ny amin'i Amnona sy ny fahafatesany izy.
"Izany dia nitranga taorian'ny". Io andianteny io dia nampiasaina mba hampidirana tranga vaovao ao amin'ny fizotry ny tantara.
Iray ray i Amnona sy i Tamara saingy samy hafa reny.
Iray ray sy reny i Absaloma sy i Tamara.
Niady saina mafy i Amnona satria naniry ny hiara-mandry amin'i Tamara anabaviny izy. DH: "Niady saina mafy tamin'ny faniriany an'i Tamara i Amnona ka nanjary narary"
Ireo dia anaran-dehilahy. Simea dia rahalahin'i Davida.
mamitaka
anatin'ny fihetsem-po tena tsy faly mihitsy
Ny teny tsy ao dia mety ampiana amin'io fanontaniana io. Io fanontaniana fampisainana io ihany koa dia fangatahana amin'i Jonadaba mba hilaza aminy hoe nahoana izy no ketraka. Io dia mety soratana ho fanambarana. DH: "Tsy hilaza amiko ny antony mahaketraka anao ve ianao?" na "Mba lazao ahy re ny antony mahaketraka anao."
Adikao toy ny nanaovanao izany tao amin'ny 13:3 ihany io anaran-dehilahy io.
Io dia fangatahana aminy mba hanolotra sakafo ho azy manokana. DH: "ary mba hanolotra izany ho ahy izy...mety hanolotra izany hohaniko izy"
Io dia midika fa naneho endrika marary izy.
Ny sakafo dia tsy ho an'ny aretiny, fa ho azy kosa, satria marary izy. Ny andianteny hoe "amin'izao aretiko izao" dia fangatahana amin'i Tamara mba hanomana sakafo eo anatrehany. DH: "eo anatrehako satria marary aho"
Io dia midika fa nandefa mpitondra hafatra mba hiteny amin'i Tamara izy. DH: "Nandefa mpitondra hafatra i Davida"
fifangaroana matevina natao tamin'ny lafarina sy rano nampiasaina mba hanaovana mofo
nampiasa ny tanany mba hanafangaro ny koba
Io dia midika fa nanao mofo teo anoloany i Tamara. DH: "teo anoloany" na "teo anatrehany"
Ny "mandeha miala amin'ny olona" dia midika hoe mandao azy ireo. DH: "Koa nandao azy ny olona rehetra"
Io dia fangatahana amin'i Tamara mba hanolotra sakafo ho azy manokana. DH: "ary manomana izany ho ahy"
Ireo teny tsy ampy dia azo ampiana. DH: "aza terena hiara-mandry aminao aho"
"tena mahamenatra"
Mbola miresaka amin'i Amnona hatrany i Tamara.
Mametraka io fanontaniana fampisainana io i Tamara mba hanindriana ny henatra be izay hahazo azy raha miara-mandry aminy izy. Miresaka ny fanalana ny henany toy ny hoe fahavalo na mpampijaly ka tokony handosirany i Tamara. DH: "Raha manao izany ianao, dia tsy ho zakako ny henatra any amin'izay rehetra alehako"
Ny anarana hoe "izao faharatsiana lehibe izao" dia afaka lazaina amin'ny matoanteny. DH: "Tena ratsy tokoa ny mandroaka ahy!" Ratsy kokoa aza izany"
Io dia midika hoe manakatona ny varavarana mba tsy ahafahany miverina ao indray. DH: "akatony ny varavarana mba tsy ahafahany miverina ato"
Io dia midika hoe manakatona ny varavarana mba tsy ahafahany miverina ao indray. DH: "akatony ny varavarana mba tsy ahafahany miverina ato"
Ireo dia fihetsika fisaonana sy fahalelovana amin'ny fomban'ny Israelita. DH: "nanisy lavenona ny lohany ary nandrovitra ny akanjo lavany mba hanehoana fa tena nalahelo izy. Koa mba hanehoana ny alahelony, dia nametraka ny tanany teo an-dohany izy"
Io dia fomba mihaja mba hanontaniana an'i Amnona raha niray taminy izy. DH: "Niara-nandry taminao ve i Amnona anadahinao?"
Io dia midika hoe tsy miteny na amin'iza na amin'iza momba ny zavatra iray. DH: "aza lazaina na amin'iza na amin'iza ny momba izany"
Ny andianteny hoe "mandray zavatra am-po" dia midika hoe "miahiahy ny amin'izany". DH: "Aza miahiahy ny momba izay nitranga"
Io dia midika fa tsy nanambady izy.
"tsy niresaka"
Io dia manazava fa roa taona katroka no lasa ary mampiditra ny tranga manaraka ao amin'ny fizotry ny tantara. Ny andianteny hoe "taona katroka" dia midika fa tena taona feno ireo.
Ireo dia olona izay manapaka ny volon'ondry amin'ilay ondry.
Ireo dia anaran-toerana.
Io dia andianteny nampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona amin'izay lazaina manaraka. DH: "Henoy"
Miantso ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" i Absaloma mba hanehoana fanajana.
Fomban'ny olona any Israely ny manao fety rehefa avy manety ny ondriny izy ireo.
Na dia miresaka amin'ny mpanjaka rainy aza izy, dia miantso azy hoe "mpanjaka" fa tsy "ianao" izy mba hanehoana fanajana azy.
Ny zanaka lahy zokiny indrindra matetika dia mety manambara ny rainy amin'ny fomban'ny Israelita. I Amnona dia zanaka lahin'i Davida zokiny indrindra.
Fantatr'i Davida fa tsy naman'i Absaloma i Amnona.
Eto ny mpanoratra dia miresaka an'i Absaloma mamporisika an'i Davida mba hamela an'i Amnona handeha toy ny hoe nanosika ara-batana azy izy. DH: "Niangavy an'i Davida i Absaloma mba handeha i Amnona"
Io dia manazava fa tsy tokony hatahotra ny voka-dratsin'ny famonoana an'i Amnona izy ireo. Io dia afaka ambara mazava. DH: "Aza matahotra ny hoe ho manan-tsiny amin'ny famonoana ny zanaky ny mpanjaka ianareo"
Mametraka io fanontaniana fampisainana io i Absaloma mba hanindriana fa izy no ho voatondro amin'ny famonoana an'i Amnona satria izy no mandidy azy ireo. DH: "Efa nandidy anareo mba hanao izany aho." na "Izaho no ho meloka amin'ny famonoana azy satria izaho no nandidy anareo hanao izany."
Izay nandidian'i Absaloma mba hataon'izy ireo dia mety ambara amin'ny fanontaniana. DH: "tsy efa nandidy anareo mba hamono azy"
Tsy anatin'izany i Absaloma sy i Amnona izay maty. Ny ao anatin'izany dia ireo zanaka lahy ambiny izay navelan'ny mpanjaka handeha hankalaza. DH: "ny ambin'ny zanaka lahin'ny mpanjaka"
Io dia manondro ireo zanaka lahin'ny mpanjaka niala tao amin'ny fankalazana.
"Nitranga izany". Io teny io eto dia nampiasaina mba hampidirana ny tranga manaraka ao amin'ny fizotry ny tantara.
"nandeha nanaraka ny lalana"
Eto izany dia milaza fa tonga ireo vaovao, rehefa nisy olona tonga marina ary nilaza an'i Davida ireo vaovao. DH: "no nisy olona tonga ka nitatitra ireo vaovao tamin'i Davida nanao hoe"
"Dia nijoro ny mpanjaka"
Nanao ireo zavatra ireo izy mba hanehoana fa diso nalahelo loatra. DH: "nandrovitra ny akanjony, ary nianjera tamin'ny tany mba hitomany"
Nanao izany izy ireo mba hanehoana ny alahelony sy ny fisaonany niaraka tamin'ny mpanjaka. DH: "ary nandrovitra ny akanjon'izy ireo, nisaona niaraka tamin'ny mpanjaka"
Adikao toy ny nanaovanao izany tao amin'ny 13:3 ireo anaran-dehilahy ireo.
"Ry tompoko, aza mino"
Nantsoin'i Jonadaba hoe ''tompoko" i Davida mba hanehoana fanajana.
Io dia fomba mihaja hilazana fa nanao an-keriny ny anabaviny i Amnona.
"ry tompoko mpanjaka, aza"
Ny andianteny hoe "mandray zavatra am-po'' dia midika hoe "miahiahy momba izany". DH: "miahiahy momba izany tatitra izany"
Izany dia midika fa mijery ireo fahavalo raha miambina eo amin'ny mandan'ny tanàna ny mpanompo. DH: "izay miambina" na "izay miambina eo amin'ny mandan'ny tanàna''
Eto ny mpanompo mijery miandrandra any amin'ny zavatra iray dia resahina toy ny hoe nanandratra ny masony. DH: "nijery ambony"
Io andianteny io dia nampiasaina mba hampidirana ny tranga manaraka ao amin'ny fizotry ny tantara.
Eto ny feo mihiaka mafy dia resahina toy ny hoe zavatra azo asandratra any an-danitra ny feon'izy ireo. DH: "nihiaka mafy"
Ireo dia anaran-dehilahy.
"Amnona zanany"
"izay nipetrahany nandritra ny telo taona"
Eto i Davida dia tondroina amin'ny sainy mba hanindriana ireo eritreriny. DH: "Naniry i Davida Mpanjaka"
"satria tsy nisaona momba ny nahafatesan'i Amnona intsony izy" (UDB). Io dia manondro ny telo taona taorian'ny nandosiran'i Absaloma tany Gesora.
1 Ary i Joaba zanaka lahin'i Zeroia dia nahafantatra fa naniry ny hahita an'i Absaloma ny fon'ny mpanjaka. 2 Noho izany dia nandefa teny ho any Tekoa i Joaba ary nitondra vehivavy hendry tany aminy. Hoy izy tamin-dravehivavy hoe: "Mba miangavy re ataovy ohatran'ny hoe misaona ianao ary mitafia akanjo fisaonana. Mba miangavy re aza hosorana diloilo ny tenanao, fa manaova toy ny vehivavy izay nisaona ny maty efa ela. 3 Avy eo dia mandehana mankany amin'ny mpanjaka ary resaho aminy ny momba izay ho faritako." Dia nolazain'i Joaba taminy ireo teny izay tokony ho lazainy amin'ny mpanjaka. 4 Rehefa niresaka tamin'ny mpanjaka ilay vehivavy avy any Tekoa, dia nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany izy ary nanao hoe: "Ampio aho, ry mpanjaka." 5 Dia hoy ilay mpanjaka taminy hoe: "Inona no olana?" Namaly izy hoe: "Ny marina dia mpitondratena aho, ary maty ny vadiko." 6 Izaho, mpanomponao, dia manan-janaka roa lahy, ary niady teny an-tsaha izy ireo, ka tsy nisy nanasaraka azy ireo. Ny anankiray namely ilay iray ka nahafaty azy. 7 Ankehitriny dia mitsangana manohitra ny mpanomponao ny fianakaviambe manontolo, ary hoy izy ireo hoe: 'Atolory ilay lehilahy izay namely ny rahalahiny, mba hamonoanay azy ho faty, mba hanonitra ny ain'ny rahalahiny izay novonoiny.' Koa dia ho vonoin'izy ireo koa ny mpandova. Dia toy izany koa no hanesoran'izy ireo ny vain'afo mirehitra izay navelako, ary tsy hamela anarana na taranaka eto ambonin'ny tany ho an'ny vadiko izy ireo." 8 Koa dia hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy hoe: "Mandehana any an-tranonao, ary handidy zavatra hatao ho anao aho." 9 Dia namaly ny mpanjaka ilay vehivavin'i Tekoa hoe: "Ry mpanjaka, tompoko, aoka ho amiko sy ho amin'ny fianakavian-draiko ny heloka. Tsy manan-tsiny ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany." 10 Namaly ny mpanjaka hoe: "Na iza na iza milaza zavatra aminao, dia ento aty amiko izy, ary tsy hikasika anao intsony izy." 11 Dia hoy izy hoe: "Mba miangavy re, aoka ny mpanjaka hahatsiaro an'i Yaveh Andriamanitrao, ka tsy hamotika na iza na iza bebe kokoa ny mpamaly rà, mba tsy hamotehan'izy ireo ny zanako lahy." Dia namaly ilay mpanjaka hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia tsy hisy na dia singam-bolo iray amin'ny zanakao aza hihintsana amin'ny tany." 12 Dia hoy ravehivavy hoe: "Mba miangavy re avelao ny mpanomponao mba hilaza teny fanampiny amin'ny tompoko ilay mpanjaka." Dia hoy izy hoe: "Mitenena." 13 Dia hoy ravehivavy hoe: "Koa nahoana ary ianao no mihevitra zavatra tahaka izany amin'ny vahoakan'Andriamanitra? Fa amin'ny fitenenana izany zavatra izany, dia toy ny olona izay meloka ny mpanjaka, satria tsy mbola nampody indray ny zanany lahy voaroaka ny mpanjaka. 14 Fa tsy maintsy ho faty isika rehetra, ary toy ny rano araraka amin'ny tany isika, izay tsy afaka raofina intsony. Fa Andriamanitra tsy haka ny aina; fa kosa, mahita lalana ho an'ireo izay voaroaka Izy mba ho averina indray. 15 Koa ankehitriny ary, tonga hiresaka izany zavatra izany amin'ny mpanjaka tompoko aho, izany dia satria nampitahotra ahy ny vahoaka. Koa niteny tamin'ny tenany ny mpanomponao hoe: 'Hiresaka amin'ny mpanjaka aho izao. Angamba hanatanteraka ny fangatahan'ny mpanompony ny mpanjaka. 16 Satria hihaino ahy ny mpanjaka, mba hanolorana ny mpanompony ho afaka amin'ny tanan'ilay lehilahy izay hamotika ahy sy ny zanako lahy, ho afaka amin'ny lovan'Andriamanitra.' 17 Avy eo dia nivavaka ny mpanomponao hoe: "Ry Yaveh, aoka hanamaivana ahy ny tenin'ny mpanjaka tompoko, satria toy ny anjelin'Andriamanitra, dia toy izany koa ny mpanjaka tompoko amin'ny fitenenana ny tsara avy amin'ny ratsy.' Homba anao anie Yaveh Andriamanitrao." 18 Avy eo dia namaly ny mpanjaka ka niteny tamin-dravehivavy hoe: "Mba miangavy re aza afenina amiko izay rehetra hanontaniako anao." Dia namaly ravehivavy hoe: "Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko ankehitrin." 19 Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Moa ve tsy miaraka aminao amin'izao rehetra izao ny tanan'i Joaba?" Dia namaly ravehivavy ka nanao hoe: "Raha mbola velona koa ianao, ry mpanjaka tompoko, dia tsy misy afaka mandositra mankany ankavanana na ankavia amin'ny zavatra rehetra izay nolazain'ny mpanjaka tompoko. I Joaba mpanomponao no nandidy ahy sy niteny tamiko mba hilaza ireo zavatra izay notenenin'ny mpanomponao ireo. 20 Efa nanao izany i Joaba mpanomponao mba hampiova ny zava-mitranga. Hendry ny tompoko, toy ny fahendren'ny anjelin'Andriamanitra, ary fantany ny zavatra rehetra izay mitranga eo amin'ny tany." 21 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba hoe: "Indro ary, hanao izany zavatra izany aho. Mandehana, ary ento miverina ilay tovolahy Absaloma." 22 Noho izany i Joaba dia nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany ho voninahitra sy fisaorana ny mpanjaka. Hoy i Joaba hoe: "Ankehitriny dia fantatry ny mpanomponao fa nahita sitraka teo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin'ny fanatanterahan'ny mpanjaka ny fangatahan'ny mpanompony." 23 Dia nitsangana i Joaba, ka nankany Gesora, ary nitondra an'i Absaloma niverina tany Jerosalema. 24 Hoy ny mpanjaka hoe: "Aoka izy hiverina any an-tranony, fa aza atao mahita ny tavako." Noho izany dia niverina tany an-tranony manokana i Absaloma, fa tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka. 25 Ary nanerana an'Israely dia tsy nisy olona noderaina tamin'ny hatsaran-tarehiny mihoatra noho i Absaloma. Avy any am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy kilema tany aminy. 26 Rehefa manapaka ny volon-dohany izy isaky ny faran'ny taona, satria navesatra taminy izany, dia nolanjainy ny volony; milanja eo amin'ny roanjato sekely eo izany, izay lanjaina amin'ny fandanjan'ny mpanjaka. 27 I Absaloma dia niteraka telo lahy sy iray vavy, Tamara no anarany. Vehivavy tsara tarehy izy. 28 Nipetraka roa taona feno tao Jerosalema i Absaloma, fa tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka. 29 Avy eo i Absaloma dia nandefa teny ho an'i Joaba mba handefa azy any amin'ny mpanjaka, saingy tsy tonga tany aminy i Joaba. Dia nandefa teny fanindroany i Absaloma, kanefa tsy mbola tonga ihany i Joaba. 30 Dia hoy i Absaloma tamin'ireo mpanompony hoe: "Indro, eo akaikin'ny ahy ny tanimbarin'i Joaba, ary manana vary hordea ao izy. Mandehana ary dory izany." Koa nodoran'ireo mpanompon'i Absaloma ilay tanimbary. 31 Avy eo dia nitsangana i Joaba ary nankany amin'i Absaloma tany an-tranony, ka nanao taminy hoe: "Nahoana no nodoran'ireo mpanomponao ny tanimbariko?" 32 Dia namaly an'i Joaba i Absaloma hoe: "Indro, nandefa teny taminao aho nanao hoe: 'Tongava aty mba hahafahako maniraka anao ho any amin'ny mpanjaka mba hilaza hoe: "Nahoana aho no niala tany Gesora? Tsara kokoa ho ahy ny mbola mijanona any. Noho izany ary dia aoka aho hijery ny tavan'ny mpanjaka, ka raha meloka aho, dia aoka izy hamono ahy."'" 33 Dia lasa nankany amin'ny mpanjaka i Joaba ary niteny taminy. Rehefa nampiantso an'i Absaloma ny mpanjaka, dia nanatona ny mpanjaka izy ary niankohoka ambany teo amin'ny tany nanoloana ny mpanjaka, ary norohan'ny mpanjaka i Absaloma.
Io teny io eto dia nampiasaina mba hanamarika fihatoana ao amin'ny vontoatin'ny tantara. Eto ny mpanoratra dia milaza ny momba ny olona iray ao anatin'ny tantara.
Io dia midika fa fantatr'i Joaba sy takany izay noeritreretin'i Davida.
Izany dia midika fa nandefa olona hitondra hafatra ho any Tekoa ary hitondra ilay vehivavy hiverina any aminy i Joaba. DH: "nandefa olona hitondra sy hitondra vehivavy hendry ho azy any Tekoa"
Io dia anaran-toerana.
Io dia manondro olona izay maty, fa tsy fatin'olona amin'ny ankapobeny. DH: "olona izay maty"
Nanao izany izy mba hanehoana ny fanajany sy ny fanekeny ny mpanjaka. DH: "naneho ny fanajany tamin'ny mpanjaka tamin'ny fiankohofana tamin'ny tany"
"Ny iray tamin'ireo zanany lahy dia namely ny zanany lahy hafa tamin'ny zavatra"
"ny fianakaviako manontolo"
Mba hanehoana fanajana ny mpanjaka dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" ilay vehivavy.
Io dia fomba fiteny izay midika hoe mamono. DH: "mamono azy"
Raha vonoin'izy ireo ilay rahalahy meloka dia tsy hisy zanaka lahy tavela mba handova ny fananan'ny fianakaviana intsony. Ny tena dikan'io fanambarana io dia afaka azavaina. DH: "raha nanao izany izy ireo, dia hamotika ny lovan'ny fianakaviantsika"
Eto ilay vehivavy dia manondro ny zanany lahy hany sisa velona toy ny hoe vaingana harina mirehitra. Miresaka ireo lehilahy namono ny zanany tahaka ny mamono vain'afo mirehitra izy. DH: "Tahaka izany no hamonoan'izy ireo ny zanaka hany sisa tavela ho ahy"
DH: "tsy hamela ny anaram-badiny na ny taranany izy ireo"
Io dia manondro ny zanaka lahy izay mitondra ny anaram-pianakaviana ao amin'ny taranaka mandimby. DH: "tsy zanaka lahy hiaro ny anaram-pianakaviana intsony" (UDB)
Io andianteny manoritsoritra io dia hanindriana fa ny rohim-pianakaviana dia tsy hitohy amin'ny tany intsony aorian'ny hafatesan'ny vadiny. "Ny ambonin'ny tany" dia manondro ny tany izay andehanan'ny olona.
DH: "Handray an-tanana izany olona izany ho anao aho" (UDB)
Adikao tahaka ny nanaovanao io anaran-toerana io ihany tao amin'ny 14:1 izany.
Io dia midika fa raha miteny ny vahoaka fa diso ny mpanjaka tamin'ny fanampiana ny fianakavian'ilay vehivavy dia tsy tokony ho meloka ny mpanjaka. Ny tena dikan'io fanambarana io dia afaka azavaina. DH: "raha misy olona manome tsiny anao tamin'ny fanampiana ny fianakavianay, dia enga anie ny fianakaviako mba heverina ho tsy meloka kosa"
Eto ny teny hoe "seza fiandrianana" dia manondro olona izay ho lasa mpanjaka handimby an'i Davida any aoriana. DH: "Ny mpanjaka sy ireo taranany" na "Ny mpanjakak sy ny fianakaviany"
Io dia manazava fa amin'ny hoavy raha misy olona manendrikendrika ny mpanjaka amin'ny fanaovan-dratsy, dia ho tsy manan-tsiny amin'ilay olana izy. DH: "ho tsy manan-tsiny mahakasika ilay olana"
Eto ny fitenenana fandrahonana dia resahina toy ny hoe miresaka amin'ny ankapobeny. DH: "mandrahona anao" na "milaza fandrahonana aminao"
Eto i Davida dia miresaka ny olona tsy mandrahona na mandratra azy, amin'ny filazana fa tsy hisy olona hikasika azy. Izany dia manazava fa tsy hamela olona handrahona azy na hanakorontana azy intsony i Davida. Ny teny dikan'io fanambarana io dia afaka adika mazava. DH: "Hataoko azo antoka tokoa fa tsy handrahona anao intsony aho"
Ireo mety ho heviny dia 1) Ny andianteny hoe "hahatsiaro an'" dia sarinteny midika hoe mivavaka. DH: "Miangavy, mivavaha amin'i Yaveh Andriamanitrao" na 2) Eto ny hoe "hahatsiaro an'" dia midika hoe mahatadidy ary izany dia manazava fa aorian'ny hahatsiarovany an'i Yaveh dia hampanantena amin'ny anarany izy. DH: "Mba ampanantenao amin'ny anaran'i Yaveh Andriamanitrao re"
Io dia manondro ilay lehilahy izay te hamaly ny fahafatesan'ny rahalahiny maty. Io dia afaka ambara mazava. DH: "ilay lehilahy izay te hamaly faty ny fahafatesan'ny rahalahin-janako"
"hamono olon-kafa". Io dia fanampin'ny rahalahy izay efa maty.
"mba tsy hamonoan'izy ireo ny zanako lahy" na "mba tsy handatsahan'izy ireo ny ain'ny zanako lahy"
Matetika ny olona dia manao fampanantenana sy mampitaha ny fahazahoana antoka ny hanatanterahan'izy ireo ny fampanantenany amin'ny fahazahoana antoka fa velona tokoa i Yaveh. DH: "Mampanantena aho, raha velona tokoa i Yaveh" na "Amin'ny anaran'i Yaveh no ampanatenako"
Io dia midika fa tsy ho azon-doza ny zanany lahy, izay itarina amin'ny filazana fa tsy hisy na dia singam-bolo iray ho very aminy aza. DH: "ho voaaro tanteraka ny zanakao lahy"
Mba hanehoana fanajana ny mpanjaka dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" ilay vehivavy.
"miresaka zavatra hafa amin'ny". Mangataka ny hiresaka amin'ny mpanjaka resaka hafa ilay vehivavy.
Io dia fomba fiteny. Nanome alalana azy ny mpanjaka mba hanohy hiteny. DH: "Afaka miresaka amiko ianao"
Mametraka io fanontaniana fampisainana io ilay vehivavy mba hibedesana an'i Davida tamin'ny fomba nitondrany an'i Absaloma. Io fanontaniana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Izay vao nolazainao dia nanaporofo fa nanao ny tsy nety ianao".
Mampitaha ny mpanjaka amin'ny olona izay meloka ilay vehivavy mba hanoroana hevitra fa meloka tamin'ny tsy nilazany izany mivantana izy. DH: "nanambara ny tenany ho meloka ny mpanjaka"
"ny zanany lahy izay noroahiny"
Eto ilay vehivavy dia miresaka ny olona maty tahaka ny hoe rano izay araraka amin'ny tany izy ireo. DH: "Tsy maintsy ho faty isika rehetra, ary aorian'ny hahafatesantsika dia tsy afaka mamerina ny aintsika intsony isika"
Manazava ilay vehivavy fa tokony hamerina ny zanany lahy i Davida. Izany dia afaka ambara mazava. DH: "Mamerina ny olona izay noroahiny Andriamanitra ary tokony hanao tahaka izany koa ianao"
Ireo teny tsy ampy dia afaka ampiana amin'io andianteny io. DH: "satria efa nampitahotra ahy ny vahoaka fa ho avy aho"
Mba hanehoana fanajana ny mpanjaka dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" ilay vehivavy.
Eto ny andianteny hoe "manolotra ny" dia midika hoe manolotra olona hiala amin'ny fifehezan'olona. DH: "mba hanolotra ny mpanompony"
Io dia fomba fiteny. Eto ny hoe "tanana" dia manondro ny fifehezan'olona. DH: "hiala amin'ny fifehezan'ilay lehilahy"
Io dia miresaka ny tany izay nomen'i Yaveh ireo Israelita toy ny hoe lova izay navelan-drainy ho an'ireo zanany. DH: "niala tamin'ny tany izay nomen'Andriamanitra antsika"
Eto ny hoe "teny" dia manondro ny hafatry ny mpanjaka. DH: "izay lazain'ny tompoko"
Eto i Davida, mpanjaka, dia ampitahaina amin'ny "anjelin'Andriamanitra". DH: "satria tahaka ny anjelin'Andriamanitra ny mpanjaka satria fantatr'izy roa ny fomba hilazana tsara avy amin'ny ratsy"
DH: "Mba lazao ahy re ny marina momba ny zavatra rehetra anontaniako anao"
Eto ny teny hoe "tanana" dia manondro ny fitarihan'i Joaba. DH: "Moa ve i Joaba tsy mitarika anao amin'izao rehetra izao" na "Moa ve i Joaba tsy nandefa anao eto mba hilaza ireo zavatra ireo"
"Raha velona tokoa ianao". Eto ilay vehivavy dia mampitaha ny fahazoana antoka izay nolazain'i Davida amin'ny fahazoana antoka fa velona izy, mba hanindriana ny tena fahamarinan'ny fanambarany.
Eto ilay vehivavy dia manoritsoritra ny fahasarotan'ny hiresahana amin'ny mpanjaka sy ny tsy hamelana azy hitady ny marina amin'ny fampitahana izany amin'ny olona izay tsy handositra na aiza na aiza. DH: "tsy misy olona tsy hamela anao hahalala ny marina"
Ny filazana dia manome ny farany roa ary midika hoe "na aiza na aiza". DH: "na aiza na aiza tokoa" na "na aiza na aiza"
"Hendry ny tompoko mpanjaka"
Mampitaha ny fahendren'i Davida amin'ny fahendren'ny anjely ilay vehivavy mba hanindriana fa tena hendry izy. DH: "tena hendry ianao, tahaka ny anjelin'Andriamanitra"
Io dia manazava fa efa nitondra an'i Joaba teo anatrehany ny mpanjaka mba ahafahany miresaka aminy. Ny tena hevitr'izany dia afaka azavaina. DH: "Dia nampiantso an'i Joaba ny mpanjaka ka niteny taminy" (UDB)
Io dia fomba fiteny. Io dia andianteny nampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona amin'izay lazaina manaraka. DH: "Henoy"
Io dia manondro izay tian'i Joaba ataon'ny mpanjaka. Ny tena hevitr'io fanambarana io dia afaka azavaina. DH: "izay tianao hataoko"
Nanao izany i Joaba mba hanomezam-boninahitra ny mpanjaka sy hanehoana ny fankasitrahany.
Mba hanehoana fanajana ny mpanjaka dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" i Joaba."
Ny andianteny hoe "nahita sitraka" dia fombba fiteny izay midika hoe ankasitrahin'olona. Ny teny hoe "imaso" dia sarinteny izay manondro izay eritreretin'ny mpanjaka. DH: "ankasitrahinao aho" (UDB) na "efa nankasitraka ahy ianao"
"satria ny mpanjaka"
"efa nanao izay nasiako nataonao ianao"
Eto ny teny hoe "tava" dia manondro ny mpanjaka mihitsy. DH: "nefa tsy afaka mahita ny tavako izy...ny mpanjaka"
Ny "Ary" dia manamarika fihatoana amin'ny vontoatin'ny fizotry ny tantara. Eto i Samoela dia mitantara fizarana vaovao amin'ny tantara.
DH: "nidera an'i Absaloma noho ny hatsaran-tarehiny mihoatra noho ny nideran'izy ireo olon-kafa ny vahoaka"
Io dia midika hoe olona manontolo tsy misy kilema. DH: "Tsy misy kilema amin'ny faritry ny vatany"
Io dia azo soratana amin'ny marika amin'izao vanimpotoana izao. DH: "roa kilao sy sasany"
Manana lanja izay faritana amin'ny fandanjana ny sekely sy ireo fandanjana hafa ary fandrefesana ny mpanjaka.
DH: "Nanan-janaka lahy telo sy iray vavy i Absaloma" (UDB)
Eto ny hoe "tavan'ny mpanjaka" dia manondro ny mpanjaka mihitsy. DH: "ny mpanjaka"
Eto ny hoe "teny" dia sarinteny ho an'ny hoe "hafatra". Izany dia midika fa nandefa mpitondra hafatra niaraka tamin'ny fangatahana tany amin'i Joaba izy. DH: "Nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Joaba mba hangataka aminy i Absaloma"
Izany dia manazava fa tian'i Absaloma hankany aminy i Joaba mba hijery azy sy hifona ho azy mba ahafahany mijery ny mpanjaka. Ny tena dikan'izany dia afaka azavaina. DH: "mba hankany aminy ary hifona ho azy mba ahafahany mahita ny mpanjaka"
Eto ny hoe "teny" dia sarinteny ho an'ny "hafatra".Izany dia midika fa nandefa mpitondra hafatra niaraka tamin'ny fangatahana tany amin'i Joaba izy. Ny tena dikan'izany dia afaka azavaina. DH: "Nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Joaba niaraka tamin'ilay fangatahana ihany indray i Absaloma"
Io teny io eto dia nampiasaina ho fomba fiteny mba hampahatsiahivan-javatra ny olona. DH: "Raha fantatrao tokoa"
Io teny io eto dia nampiasaina ho fomba fiteny mba hanampiana fanindriana, fanamafisana izay holazaina manaraka. DH: "Henoy"
Eto ny hoe "teny" dia sarinteny ho an'ny hoe "hafatra". Izany dia midika fa nandefa mpitondra hafatra izy. DH: "Nandefa mpitondra hafatra izy"
Ny hafatra ho an'ny mpanjaka eto dia nosoratana toy ny hoe i Absaloma no mpiteny. Nangataka an'i Joaba mba hilaza ny hafatra ho azy i Absaloma. Ny tena dikan'io fanambarana io dia afaka azavaina. DH: "mba hilaza amin'ny mpanjaka ho azy" na "mba hanontany ny mpanjaka ho ahy"
Eto ny hoe "tavan'ny mpanjaka" dia manondro ny mpanjaka mihitsy. DH: "ny mpanjaka"
Maneho fanajana ny mpanjaka i Absaloma. DH: "niankohoka ambany tamin'ny tany mba hanome voninahitra ny mpanjaka"
Izany dia midika fa namela sy namerina an'i Absaloma ny mpanjaka. Ny tena dikan'izany dia afaka azavaina.
1 Ary taorian'izany dia nanomana kalesy sy soavaly ho azy i Absaloma, niaraka tamin'ny lehilahy dimampolo mba hialoha azy. 2 Nifoha maraina i Absaloma ary nijoro teo amin'ny lalana mankany amin'ny vavahadin'ny tanàna. Rehefa nisy olona nanana ady ho entina eo amin'ny fitsaràn'ny mpanjaka, dia niantso azy i Absaloma ary niteny hoe: "Avy aiza ny tanàna niavianao?" Dia namaly ilay lehilahy hoe: "Avy amin'ny iray amin'ireo fokon'Israely ny mpanomponao." 3 Dia niteny taminy i Absaloma hoe: "Indro, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona nomen'ny mpanjaka fahefana hihaino ny raharahanao." 4 Dia nampian'i Absaloma hoe: "Iriako raha mba natao ho mpitsara teto amin'ny tany aho, mba ho tonga eo amiko ny olona rehetra izay manana ady na raharaha, ary hanome rariny ho azy aho!" 5 Ary rehefa nisy olona tonga teo amin'i Absaloma mba hanome haja azy, dia namoaka ny tanany izy ary nandray azy ka nanoroka azy. 6 Nanao toy izany tamin'ireo Israely rehetra izay nankeo amin'ny fitsaran'ny mpanjaka i Absaloma. Koa dia naka ny fon'ny olon'Israely i Absaloma. 7 Ary tamin'ny fiafaran'ny taona efatra dia hoy i Absaloma tamin'ny mpanjaka hoe: "Avelao re aho mba handeha ary hanefa ny voady nataoko tamin'i Yaveh tany Hebrona. 8 Fa nanao voady ny mpanomponao fony izaho nonina tany Gesora tany Syria, nanao hoe: 'Raha ho entin'i Yaveh miverina any Jerosalema tokoa aho, dia hanompo an'i Yaveh."' 9 Koa hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Mandehana am-piadanana." Koa niainga i Absaloma ka nankany Hebrona. 10 Saingy avy eo dia naniraka mpitsikilo eraky ny fokon'Israely rehetra i Absaloma, niteny hoe: "Vantany vao mandre ny feon-trompetra ianareo, dia aoka hiteny hoe: 'Absaloma no mpanjaka any Hebrona."' 11 Nisy lehilahy roanjato avy any Jerosalema nandeha niaraka tamin'i Absaloma, izay voaasa. Nandeha tamin'ny tsy fananan-tsiny izy ireo, ary tsy nahalala na inona na inona tamin'izay nokasain'i Absaloma. 12 Rehefa nanolotra sorona i Absaloma, dia nampaka an'i Ahitofela avy any amin'ny tanàna niaviany any Gilo izy. Mpanolo-tsainan'i Davida izy. Nahery vaika ny fikonokononan'i Absaloma, satria tsy nitsaha-nitombo ny olona nanaraka azy. 13 Nisy iraka nankeo amin'i Davida nanao hoe: "Manaraka an'i Absaloma ny fon'ireo olon'Israely." 14 Koa hoy i Davida tamin'ireo mpanompony rehetra izay niaraka taminy tao Jerosalema hoe: "Mitsangàna ary andao handositra, raha tsy izany dia tsy hisy ho afa-mandositra an'i Absaloma isika. Miomàna hiala dieny izao, raha tsy izany dia hahatratra antsika faingana izy, ary hitondra loza eto amintsika izy ka hanafika ny tanàna amin'ny lelan-tsabatra." 15 Dia hoy ireo mpanompon'ny mpanjaka tamin'ny mpanjaka hoe: "Indro, vonona ny hanao izay rehetra tapaky ny mpanjaka tomponay ny mpanompony." 16 Dia niala ny mpanjaka ary narahin'ny fianakaviany rehetra, fa namela vehivavy folo, izay vaditsindrano, mba hiandry ny lapa ny mpanjaka. 17 Rehefa avy nivoaka ny mpanjaka sy ireo olona rehetra tao aoriany, dia nijanona teo amin'ny trano farany izy ireo. 18 Nandeha niaraka taminy ny tafiny rehetra, ary nandeha teo alohany ireo Keretita, sy ireo Peletita ary ireo Gatita rehetra—lehilahy eninjato no nanaraka azy avy any Gata. 19 Dia hoy ny mpanjaka tamin'Itahy Gatita hoe: "Nahoana ianao no handeha hiaraka aminay? Miverana ary mijanòna miaraka amin'ny mpanjaka, fa vahiny sady sesin-tany ianao. Miverena any amin'ny fitoeranao ihany. 20 Satria vao niala omaly ianao, dia nahoana aho no tokony hamela anao hirenireny hiaraka aminay? Tsy fantatro akory izay alehako. Koa miverena ary ento miverina ireo mpiray firenena namanao. Hiaraka aminao anie ny fahitsiana sy ny fahatokiana." 21 Fa Itahy namaly ny mpanjaka ary niteny hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, ary raha mbola velona koa ny mpanjaka tompoko, any amin'ny toerana rehetra andehanan'ny mpanjaka tokoa, dia any koa no halehan'ny mpanomponao, na midika fahavelomana izany na fahafatesana." 22 Koa hoy i Davida tamin' Itahy hoe: "Mandrosoa ary manohiza miaraka aminay." Koa dia nandeha niaraka tamin'ny mpanjaka Itahy Gatita mbamin'ireo lehilahiny rehetra sy ireo fianakaviany rehetra izay niaraka taminy. 23 Nitomany tamin'ny feo mafy ny tanàna manontolo raha nandalo ny Lohasahan'i Kidrona ireo vahoaka, ary raha niampita ihany koa ny mpanjaka. Nandeha teny an-dalana nizotra ho any an-tany efitra ny olona rehetra. 24 Na Zadoka niaraka tamin'ireo Levita rehetra, izay nilanja ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra aza dia teo. Nahidin'izy ireo ny fiaran'Andriamanitra, dia nihazo azy ireo i Abiatara. Niandry ambara-pandalon'ny vahoaka avy ao an-tanàna izy ireo. 25 Hoy ny mpanjaka tamin'i Zadoka hoe: "Lanjao miverina any an-tanàna ny fiaran'Andriamanitra. Raha mahita fitia eo imason'i Yaveh aho, dia hitondra ahy hiverina Izy ary hampiseho ny fiara sy ny toerana honenany indray. 26 Fa raha miteny Izy hoe: 'Tsy mankasitraka anao Aho,' indro, inty aho, aoka hataony amiko izay rehetra hitany fa mety Aminy." 27 Hoy ihany koa ny mpanjaka tamin'i Zadoka mpisorona hoe: "Tsy mpahita angaha ianao? Miverena any an-tanàna am-piadanana, mbamin'ireo zanakao roa lahy miaraka aminao, dia Ahimaza zanakao, sy Jonatana zanak'i Abiatara. 28 Indro, hiandry eo amin'ny fitàna amin'ny efitr'i Araba aho ambara-pahatongan'ny teny avy aminao hampahafantatra ahy." 29 Koa dia nitondra ny fiaran'Andriamanitra niverina tany Jerosalema i Zadoka sy Abiatara, ary nitoetra tany izy ireo. 30 Fa niakatra tsy nikiraro sy nitomany nankany amin'ny Tendrombohitr'Oliva i Davida, ary nisarona ny lohany. Ny olona rehetra teo amin'ny vahoaka niaraka taminy dia nanarona ny lohany, ary nandeha niakatra am-pitomaniana teny am-pandehanana izy ireo. 31 Nisy olona niteny tamin'i Davida nanao hoe: "Isan'ireo mpikonokonona miaraka amin'i Absaloma i Ahitofela." Koa nivavaka i Davida hoe: "Yaveh o, avadiho ho fahadalana re ny torohevitr'i Ahitofela." 32 Ary i Davida rehefa tonga teo an-tampon'ny lalana, izay efa fanompoana an'Andriamanitra, dia tonga nihaona taminy i Hosay ilay Arkita niaraka tamin'ny akanjony rovitra sy vovon-tany teo amin'ny lohany. 33 Hoy i Davida taminy hoe: "Raha mandeha miaraka amiko ianao, dia ho vesatra ho ahy. 34 Fa raha miverina any an-tanàna ianao ka miteny amin'i Absaloma hoe: 'Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka, tahaka ny naha-mpanompon'ny rainao ahy tamin'ny andro taloha, dia ho mpanomponao ihany koa aho ankehitriny,' dia hampikorontana ny torohevitr'i Ahitofela ho ahy ianao. 35 Tsy manana an'i Zadoka sy Abiatara mpisorona hiaraka aminao ve ianao? Koa na inona na inona renao ao amin'ny lapan'ny mpanjaka, dia aoka ho lazainao amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona izany. 36 Ezaho tsara mba hiaraka amin'izy ireo any ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak'i Zadoka, sy Jonatana, zanak'i Abiatara. Aoka halefanao aty amiko amin'ny tanan'izy ireo ny zavatra rehetra izay renao." 37 Koa dia nankany an-tanàna i Hosay, naman'i Davida, raha vao tonga sy niditra an'i Jerosalema i Absaloma.
Io teny io dia nampiasaina mba hampidirana ny tranga manaraka ao amin'ny fizotry ny tantara.
Ireo lehilahy ireo dia hihazakazaka eo alohan'ny kalesy mba hanome voninahitra an'i Absaloma. DH: "niaraka tamin'ny lehilahy dimampolo mba hiazakazaka eo alohany mba hanome voninahitra azy"
Rehefa hamaly an'i Absaloma ny olona iray dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" mba hanehoana fanajana an'i Absaloma.
Io dia manazava fa nilaza ny raharahany Tamin'i Absaloma ilay olona. Io dia afaka ambara mazava. DH: "Nanontany azy ny amin'ny olany i Absaloma, dia nanazava tamin'i Absaloma ny antony nitadiavany ny rariny ilay lehilahy. Dia niteny taminy noho izany i Absaloma hoe"
Ireo teny ireo dia manana heviny iray ihany amin'ny ankapobeny ary nampiasaina miaraka mba hanindriana fa tsara ny raharahany.
Ny "mihaino" ny raharaha dia midika hoe mihaino izany ary manome fanapahan-kevitra amin'izany fitsarana. DH: "mba hitsara ny raharahanao" na "mba hijery ny raharahanao"
Io fihetsika io dia fiarahabana amin'ny maha-mpinamana. DH: "miarahaba azy ho toy ny namana amin'ny famihinana sy fanorohana azy"
Io dia midika fa nankeo amin'ny mpanjaka izy ireo mba hanapa-kevitra ny amin'ny adin'izy ireo. DH: "mba hitsara ny adin'izy ireo"
Io fehezanteny io dia midika fa nandresy lahatra ireo olona mba tsy hivadika aminy fa tsy amin'i Davida i Absaloma. Eto ny mpanoratra dia miresaka ny fomba tsy nivadihan'ny olona tamin'i Absaloma amin'ny fitenenana fa naka ny fon'izy ireo izy. DH: "Tamin'izany, no nandresen'i Absaloma lahatra ny olon'ny Israely mba tsy hivadika aminy"
Io teny io dia nampiasaina mba hampidirana ny tranga manaraka ao amin'ny fizotry ny tantara.
Io dia manondro ny taona efatra taorian'ny niverenany tany Jerosalema. DH: "taona efatra taorian'ny niverenan'i Absaloma tany Jerosalema, izy"
"tany Hebrona ary any no hanefako ny voady izay nataoko tamin'i Yaveh"
Eto i Absaloma dia manondro ny tenany amin'izany mba hanehoana voninahitra ny mpanjaka.
"Koa dia lasa i Absaloma"
Eto ireo toerana izay nisy ireo fokon'ny Israely dia tondroina amin'ny foko mihitsy. DH: "manerana ny tanin'ny fokon'ny Israely"
"trompetra notsofina"
DH: "izay nasainy"
"nandeha tsy nanan-tsiny"
Io dia midika fa naniraka mpitondra hafatra mba handeha haka sy hitondra an'i Ahitofela hiverina any aminy izy. DH: "nandefa mpitondra hafatra izy mba handeha haka an'i Ahitofela izay"
Io dia anaran-dehilahy.
Io dia anaran-toerana
Eto ireo olona dia tondroina amin'ny "fon'izy ireo" mba hanindriana ny tsy fivadihany amin'i Absaloma. DH: "Ireo olon'ny Israely dia tsy mivadika amin'ny" na "Ireo olon'ny Israely dia manaraka"
Eto i Davida dia miresaka an'i Absaloma sy ireo olona niaraka tamin'ny amin'ny hoe "Absaloma" satria ireo olona ireo dia nanaraka ny fahefan'i Absaloma. DH: "nandositra an'i Absaloma sy ireo olony...faingana izy sy ireo olony...hitondra izy ireo"
Ny hoe "tanàna" dia manondro ny vahoaka ao amin'ny tanàna. Ny "lelan-tsabatra" dia manondro ireo sabatry ny Israelita ary manindry fa namono olona tao anatin'ny ady izy ireo. DH: "hanafika ny vahoakan'ny tanànantsika ary hamono azy ireo amin-tsabatra"
Io dia midika hoe hahatonga loza hitranga.
Eto ny teny hoe "hiandry" dia midika hoe mikarakara. DH: "mba hikarakara ny lapa"
Io dia manondro ny trano farany izay handehanan'izy ireo rehefa nandao ny tanàna izy ireo"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 8:15 ihany ireo anarana vondron'olona ireo.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 6:10 ihany io anarana vondron'olona io.
"lehilahy 600"
Io dia anaran-dehilahy.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 6:10 ihany io anarana vondron'olona io.
Io fanontaniana fampisainana io dia milaza fa tsy nangataka azy ireo mba handeha hiaraka aminy ny mpanjaka. Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fanambarana. DH: "Tsy tokony nandeha niaraka taminay ianao"
Io fanontaniana fampisainana io dia manindry fa tsy tian'i Davida handeha i Itahy. Io fanontaniana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy te hampirenireny anao manodidina anay aho".
Io dia itatra nampiasaina mba hanindriana. Nipetraka tao nandritra ny taona vitsivitsy i Itahy Gatita. DH: "Satria nipetraka teto vao fotoana fohy monja ianao"
Io dia tso-drano izay nomen'i Davida azy. DH: "Enga anie hahatoky sy tsy hivadika aminao mandrakariva i Yaveh"
Eto ny olona miteny dia manao fampanantenana mafy. Ampitahainy amin'ny fahazahoana antoka fa velona tokoa i Yaveh sy ny mpanjaka ny fahazahoana antoka fa hanatanteraka ny fampanantenany izy. DH: "Mampanantena mafy aho fa raha velona tokoa i Yaveh sy ny mpanjaka"
Manondro ny tenany tahaka izany i Itahy mba hanomezam-boninahitra ny mpanjaka.
"na dia ho faty aza aho amin'ny fanohanako anao"
Maro tamin'ny vahoakan'ny Israely no nitomany mafy rehefa nahita ny mpanjaka lasa izy ireo. Eto dia itatra ny filazana fa nitomany ny firenena rehetra. DH: "Nitomany avokoa ny olona teny andalana rehetra" na "Nitomany ny maro tamin'ny vahoaka"
Eto ny vahoaka maro izay nitomany dia resahina toy ny hoe iray feo mafy izy ireo. DH: "mafy tokoa"
Io dia anaran-toerana akaikin'i Jerosalema.
Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia manondro ny eritreritr'i Yaveh sy ny heviny. Raha "mahita fitia" amin'ny olona ianao dia midika izany fa mankasitraka anao izy ireo. DH: "Ankasitrahin'i Yaveh aho"
"izay misy ny fanatrehany". Ny fiaran'ny fanekena dia mampiseho ny fanatrehan'i Yaveh. Io dia manondro ny toerana izay misy ny fiara. DH: "izay hitazonana izany" (UDB)
Io dia anaran-dehilahy.
Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hibedesana an'i Zadoka ary afaka adika ho fanambarana. DH: "Ho afaka mahita izay mitranga ianao".
Eto io teny io dia fomba fiteny ary midika hoe hihaino izay ho lazaina manaraka ny mpihaino. DH: "Henoy"
Io dia manondro azy mandefa mpitondra hafatra any amin'ny mpanjaka.DH: "mandra-pandefanao mpitondra hafatra aty amiko mba hampafantatra ahy"
Eto ny mpanjaka dia manazava fa tokony handray ny hafatra mampilaza azy momba izay hitranga any Jerosalema izy. DH: "mba hilaza amiko izay mitranga any Jerosalema"
tsy nanao kiraro na kapa
Io dia famantarana fisaonana sy henatra. DH: "nisarona ny lohany tamin'ny fisaonana"
olona izay miara-miangona hanohitra olon-kafa
Mangataka an'i Yaveh mba hanao ny torohevitr'i Ahitofela mba ho adalana sy tsy ilaina i Davida. DH: "aoka re mba izay rehetra atoron'i Ahitofela ho lasa adalana sy tsy mahomby"
"Nitranga izany". Io teny io dia manamarika ny tranga manaraka ao amin'ny fizotry ny tantara.
Ny teny hoe "tampony" eto dia nampiasaina satria niakatra tamin'ny fiakarana ary teo an-tampon'ny havoana i Davida. DH: "teo an-tampon'ny havoana"
DH: "izay efa nanompoan'ny olona an'Andriamanitra "
Io dia anaran-dehilahy.
Io dia anarana vondron'olona.
Izany dia fihetsika hanehoana henatra sy fibebahana. Eto ny teny hoe "tany" dia midika hoe loto. DH: "Nandrovitra ny fitafiany izy ary nandoto ny lohany mba hanehoana fa tena nalahelo izy (UDB)
Manoro hevitra an'i Hosahy i Davida fa hanohitra ny rehetra izay atoron'i Ahitofela izy. DH: "afaka ampiasaiko ho ahy ianao mba hanohitra ny torohevitr'i Ahitofela"
Manontany io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hilazana amin'i Hosahy fa tsy ho irery izy. Izany dia afaka soratana ho fanambarana. DH: "Ho eo hanampy anao i Zadoka sy Abiatara mpisorona"
Io dia itatra; tsy midika io hoe izay teny rehetra reny. Io dia midika fa ny rehetra amin'ireo zavatra manan-danja sy lalina izay reny.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ny andianteny hoe "tanan'izy ireo" dia manondro ireo zanaka lahy ary midika fa tokony hanompo ho mpitondra hafatra izy ireo. DH: "ireo zanany mba hilaza amiko"
1 Rehefa niala tsy lavitra ny tampon'ny tendrombohitra i Davida, dia tonga nitsena azy i Ziba mpanompon'i Mefiboseta niaraka tamin'ireo ampondra roa misy lasely; izy ireo dia nitondra mofo roanjato, sampam-boaloboka zato sy fehezan'aviavy zato, ary divay iray tavoara. 2 Nilaza tamin'i Ziba ny Mpanjaka hoe: "Nahoana no nitondra ireo zavatra ireo ianao?" Namaly i Ziba hoe: "Ny ampondra dia natao ho taingenan'ny ankohonan'ny mpanjaka, ny mofo sy ny mofo mamy misy aviavy dia natao ho hanin'ireo olonao, ary ny divay dia natao ho sotroin'ireo izay torovana tany an-tany hay." 3 Hoy ny mpanjaka hoe: "Aiza ary ny zafy lahin'ny tomponao?" Namaly ny mpanjaka i Ziba: "Indro, nijanona tany Jerosalema izy, fa hoy izy hoe: 'Anio dia ho averin'ny ankohonan'Israely amiko ny fanjakan'ny raiko.'" 4 Dia niteny tamin'i Ziba ny mpanjaka hoe: "Indro, izay an'i Mefiboseta rehetra dia lasanao ankehitriny." Namaly i Ziba hoe: "Miondrika am-panetre-tena eo anatrehanao aho, ry mpanjaka, tompoko. Aoka hahita sitraka eo imasonao aho." 5 Rehefa nanatona an'i Bahorima i Davida Mpanjaka, dia nisy lehilahy avy amin'ny fokon'i Saoly nipoitra avy any, antsoina hoe: Simey zanak'i Gera. Nivoaka nanozona teny am-pandehanana izy. 6 Notorahany vato i Davida sy ireo manam-pahefan'ny mpanjaka rehetra, na dia teo aza ireo tafika sy ireo mpiambina izay teo an-kavia sy havanan'ny mpanjaka. 7 Niantso fanozonana i Simey: "Mandehana any, mandehana mivoaka eto, ianao izay mpanao ratsy, ianao izay olona mpandatsa-drà! 8 Novalian'i Yaveh taminareo rehetra ny ràn'ny fianakavian'i Saoly izay nalatsakareo, tamin'ny toerana izay nanjakanareo. Nomen'i Yaveh teo an-tanan'i Absaloma zanakao ny fanjakana. Tonga amin'ny faharavana ianao satria olon'ny rà." 9 Dia hoy i Abisay zanaka lahin'i Zeroia, tamin'ny mpanjaka hoe: "Nahoana io alika maty io no manozona ny mpanjaka tompoko? Avelao re aho handeha ary hanapaka ny lohany." 10 Fa niteny ny mpanjaka hoe: "Mpifaninona moa izaho sy ianao, ry zanaka lahin'i Zeroia? Manozona ahy angamba izy satria nilaza taminy i Yaveh hoe: 'Ozony i Davida.' Iza izany no afaka hiteny aminy hoe: 'Nahoana ianao no manozona ny mpanjaka?'" 11 Ka hoy i Davida tamin'i Abisay sy ny mpanompony rehetra hoe: "Indro, ny zanako lahy, izay naterako, dia te-hifofo ny aiko. Koa maika fa ny fanirian'ity Benjamina ity ny amin'ny faharavako? Avelao izy ary avelao izy hanozona, satria nibaiko azy hanao izany Yaveh. 12 Hijery ny fahoriana mianjady amiko angamba i Yaveh, ary hamaly soa ahy nohon'ny ozona nataony tamiko anio." 13 Koa nandeha teny an-dalana i Davida sy ny olony, ary Simey kosa nanaraka azy ireo avy eny ampita teny an-tampon'ny havoana, nanozona sy namafy vovoka ary nitora-bato azy raha nandeha izy. 14 Avy eo dia reraka ny mpanjaka sy ny olona rehetra izay niaraka taminy, ka naka aina izy rehefa nijanona izy ireo ny alina. 15 Ary i Absaloma sy ny olon'Israely rehetra izay niaraka taminy, dia tonga tao Jerosalema, ary niaraka taminy i Ahitofela. 16 Ary rehefa tonga teo amin'i Absaloma, i Hosay ilay Arkita, naman'i Davida, dia nilaza tamin'i Absaloma i Hosay hoe: "Ho ela velona anie ny mpanjaka! Ho ela velona anie ny mpanjaka!" 17 Hoy i Absaloma tamin'i Hosay hoe: "Izao ve no fahatokianao asehonao amin'ny namanao? Nahoana ianao no tsy nandeha niaraka taminy?" 18 Hoy i Hosay tamin'i Absaloma hoe: "Tsia! Fa ilay iray izay nofidian'i Yaveh sy ity vahoaka ity ary ny olon'Israely rehetra kosa, no lehilahy izay hombako, ary hitoetra eo aminy aho. 19 Iza ihany koa, no olona tokony ho tompoiko? Tsy tokony hanompo eo amin'ny fanatrehan'ny zanany lahy ve aho? Tahaka ny nanompoko teo amin'ny fanatrehan'ny rainao, dia hanompo eo amin'ny fanatrehanao aho." 20 Dia hoy i Absaloma tamin'i Ahitofela hoe: "Omeo ny torohevitrao izahay ny amin'ny tokony ho ataonay." 21 Namaly an'i Absaloma i Ahitofela hoe: "Mandehana mandry miaraka amin'ireo vady mpanompon'ny rainao izay navelany hiambina ny lapa, ary ho ren'Israely rehetra fa nanamaimbo tena teo amin'ny rainao ianao. Avy eo dia hatanjaka ny tanan'ireo rehetra miaraka aminao." 22 Ary namelatra lay ho an'i Absaloma teo an-tampon'ny lapa izy ireo, ka niara-nandry tamin'ireo vady andevon'ny rainy teo imason'Israely rehetra i Absaloma. 23 Ary ilay torohevitra izay nomen'i Ahitofela tamin'izany andro izany dia toy ny hoe ren'olona avy tamin'ny vavan'Andriamanitra mihitsy. Izany no fahitan'i Davida sy Absaloma ny torohevitr'i Ahitofela rehetra.
Io dia anaran-dehilahy.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 4:4 ihany io anaran-dehilahy io.
"mofo 200...ampam-boaloboka 100...fehezan'aviavy 100''
"mofo mamy"
Ireo andianteny ireo dia manondro ny voaloboka na ny aviavy niaraka nopotserina.
"voaloboka maina"
"tavoara feno divay"
"tena reraka tokoa"
"Mefiboseta, zafy lahin'ny tomponao"
zanaky ny zanaka lahy na zanaky ny zanaka vavy
Io teny io dia nampiasaina mba hampidirana ny tranga manaraka ao amin'ny fizotry ny tantara. DH: "Henoy"
Io dia manondro ny vahoakan'ny Israely. DH: "ny vahoakan'ny Israely"
Ny fananana ny taranak'i Saoly havela hanapaka dia resahina toy ny hoe naverina tamin'ny fianakavian'izy ireo ny fanjakana. DH: "hamela ahy mba hanapaka ny fanjakana izay nanapahan'ny raibeko"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 4:4 ihany io anaran-dehilahy io.
Tsy niondrika ara-bakiteny teo anoloan'ny mpanjaka i Ziba rehefa miteny izy eto. Io dia midika fa hanompo ny mpanjaka tahaka ny haben'ny fanetre-tena hasehony raha miondrika ara-bakiteny eo anoloany izy. DH: "Hanompo anao am-panetre-tena aho" (UDB)
Ny andianteny hoe "mahita sitraka" dia midika hoe ankasitrahin'olona. Ny andianteny hoe "imasonao" dia manondro izay heverin'ny mpanjaka. DH: "Tiako hankasitraka ahy ianao" na "Iriako ny mba ho ankasitrahinao"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 3:14 ihany io anaran-tanàna io.
Ireo dia anaran-dehilahy.
"na dia nisy aza"
Ireo dia lehilahy izay miaro olona manan-danja.
olona izay ratsy, mpanao heloka na mpandika lalàna
Eto ny hoe "rà" dia manondro ny lehilahy rehetra izay tompon'andraikitra tamin'ny famonoana an'ady. DH: "namono"
Novalian'i Yaveh tamin'ny fanasaziana azy ireo izy ireo. Io dia afaka ambara mazava. DH: "Nosazian'i Yaveh"
Eto ny hoe "rà" dia manondro ny olona izay novonoina tao amin'ny fianakavian'i Saoly. Tompon'andraikitra tamin'ny namonoana azy ireo ny mpanjaka. DH: "tamin'ny famonoana ny maro tamin'ny fianakavian'i Saoly"
Nanjaka ho mpanjaka tamin'ny vahoaka iray izay nanjakan'i Saoly ihany i Davida. DH: "tamin'ny toerana izay nanjakanao ho mpanjaka"
Eto ny hoe "tanana" dia manondro ny fifehezana. DH: "tao amin'ny fifehezan'i Absaloma"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:18 ihany io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:12 ihany io anaran-dehilahy io.
Mametraka io fanontaniana io i Abisay mba hanehoana ny hatezerany tamin'ilay lehilahy. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy tokony hiteny amin'ny mpanjaka tahaka izany io alika maty io".
Eto ilay lehilahy dia soritsoritana ho tsy mendrika tamin'ny fampitahana azy amin'ny alika maty. DH: "io lehilahy tsy mendrika io"
Io fanontaniana fampisainana io dia napetraka mba hanitsiana an'ireo zanaka lahin'i Zeroia. Io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy te hahalala izay heverinao aho!"
"Mety manozona ahy izy satria"
Io dia lazaina ho fanontaniana fampisainana mba hanindriana fa ny valiny dia tsy "tsy misy". Io fanontaniana fampisainana io dia afaka soratana ho fanambarana. DH: "Koa tsy misy afaka manontany azy hoe: "Nahoana ianao no manozona ny mpanjaka?"'
Manoritsoritra ny zanany lahy tahaka izany i Davida mba hanindriana ny fifamatorana akaikin'ny ray sy ny zanany lahy. DH: "ny zanako lahy mihitsy" na "ny zanako malala"
Io dia fomba mihaja hanondroana ny famonoana olona. DH: "te hamono ahy"
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hilazana fa tsy gaga izy fa te hamono azy ilay lehilahy. Io dia afaka soratana ho fanambarana. DH: "Mazava ho azy fa maniry ny faharavako tokoa io Benjamita io!" na "Tsy gaga aho fa maniry ny faharavako ihany koa io Benjamita io!"
Eto i Davida dia manoritsoritra ny fanirian'ilay lehilahy hamono azy tahaka ny hoe zavatra izay tian'ilay lehilahy ho ravana i Davida. DH: "maniry ahy ho faty" na "maniry ny hamono ahy"
Eto ny andianteny hoe "avelao izy" dia midika fa tsy sakanana amin'izay ataony izy. DH: "Aza sakanana tsy hanozona ahy izy"
Eto ny hoe "mijery" dia midika hoe "mandinika". DH: "handinika"
Eto i Davida dia miresaka ny fahoriana toy ny hoe biby masiaka izay ampanenjehin'ilay Benjamita azy izany.
Nandeha ten ampitan'i Davida sy ireo lehilahiny i Simey, nefa teny ambonin'ny havoana kokoa i Simey.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:11 ihany io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:32 ihany io anaran-dehilahy io.
"Nitranga izany". Io teny io dia nampiasaina mba hampidirana ny tranga manaraka ao amin'ny fizotry ny tantara.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:32 ihany io anarana vondron'olona io.
fahatsapana fanohanana na fitiavana mafy
Io fanontaniana fampisainana io dia napetraka mba hitsikerana an'i Hosay. Afaka adika ho fanambarana ireo. DH: "Efa namana nahatoky tamin'i Davida ianao; ka tokony nandeha niaraka taminy."
Manondro an'i Absaloma i Hosay.
Eto i Hosay dia manondro an'i Absaloma mba hanindriana azy ary mametraka izany eo amin'i Yaveh sy ny vahoaka izay nifidy azy. DH: "ianao no ilay iray izay...ianao no lehilahy izay...eo aminao"
Mametraka io fanontaniana fampisainana io i Hosay mba hanindriana fa te hanompo an'i Absaloma izy. Afaka soratana ho fanambarana izany. DH: "Tokony hanompo ny zanak'i Davida irery ihany aho, ka hanompo eo anatrehany aho noho izany." na "Tokony hanompo anao aho, satria zanak'i Davida ianao."
dikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:11 ihany io anaran-dehilahy io.
Ny teny hoe ''hiambina'' dia midika hoe mikarakara. DH: "mba hikarakara ny lapa"
Miresaka an'i Absaloma manafintohina an-drainy toy ny hanjary ho zavatra izay misy fofona mahery sy manafintohina i Ahitofela. DH: "lasa fanafintohinana ho an-drainao" na "tena nanevateva an-drainao"
Eto ny vahoaka izay nanaraka an'i Absaloma dia tondroina amin'ny tanan'izy ireo. Hampatanjaka ny tsy fivadihan'ny vahoaka amin'i Absaloma sy hankahery azy ireo ny vaovao. Izany dia afaka ambara mazava. DH: "Ireo vaovao momba izany dia hampatanjaka ny tsy fivadihan'ny rehetra izay manaraka anao"
"nanangana"
Izany dia midika fa afaka mahita ny lay sy i Absaloma miditra sy mivoaka ao amin'ny lay miaraka amin'ny vehivavy ny vahoaka. Ny andianteny hoe "Israely rehetra" dia itatra, fa ny olona akaiky ny lapa irery ihany no afaka mahita izany. DH: "ny tampon'ny lapa izay ahafahan'ny olona mahita izany, ary i Absaloma niara-nandry...ireo vady"
Eto ny mpanoratra dia mampitaha fa mahatoky lavitra ny torohevitr'i Ahitofela noho ny fahatokian'izy ireo ny torohevitr'Andriamanitra mivantana ny vahoaka. DH: "Ary nahatoly ny torohevitr'i Ahitofela tamin'izany andro izany tahaka ny nahatokian'izy ireo izany raha tonga"
Eto ny vavan'Andriamanitra dia manambara ny tenany ary manindry ny fiteniny. DH: "toy ny hoe nilaza izany tamin'ny vavany mihitsy Andriamanitra" na "nisy olona nahita izany tamin'ny alalan'Andriamanitra mihitsy"
"nahatakatra" na "nanaiky"
1 Dia niteny tamin'i Absaloma i Ahitofela hoe: "Avelao aho hifidy lehilahy roa arivo sy iray alina, ary hitsangana sy hanenjika an'i Davida aho anio alina. 2 Ho tonga eo aminy aho raha mbola reraka sy malemy iny izy ary hanapoka azy amin-tahotra aho. Handositra ny vahoaka izay miaraka aminy, ary ny mpanjaka ihany no ho tafihiko. 3 Ho entiko miverina aminao avokoa ny olona rehetra, toy ny vehivavy ampakarina tonga eo amin'ny vadiny, ary ny olona rehetra dia hilamina eo ambany fahefanao." 4 Izay nolazain'i Ahitofela dia nankasitrahan'i Absaloma sy ireo loholon'Israely rehetra. 5 Dia hoy i Absaloma hoe: "Antsoy ihany koa i Hosay ilay Arkita izao, ary aoka isika handre izay lazainy." 6 Rehefa tonga teo amin'i Absaloma i Hosay, dia nazavain'i Absaloma taminy izay nolazain'i Ahitofela ary nanontany an'i Hosay izy hoe: "Tokony hanao izay nolazain'i Ahitofela ve isika? Raha tsia, lazao anay izay torohevitrao." 7 Dia niteny tamin'i Absaloma i Hosay hoe: "Tsy tsara ny torohevitra izay nomen'i Ahitofela tamin'ity." 8 Dia nanampy i Hosay hoe: "Fantatrao fa mpiady mahery ny rainao sy ireo lehilahiny, ary masiaka izy ireo, ary toy ny bera very anaka any an-tsaha. Lehilahy mpiady ny rainao; tsy hatory miaraka amin'ny tafika izy anio alina. 9 Indro, mety miafina any an-davaka na any an-toeran-kafa izy izao. Rehefa misy maty eo am-panombohan'ny fanafihana ny lehilahinao sasany, na iza na iza mandre izany dia hiteny hoe: 'Misy famonoana mitranga eo amin'ireo miaramila izay manaraka an'i Absaloma.' 10 Ka na dia ireo miaramila be herim-po indrindra aza, izay tahaka ny fon'ny liona ny fon'izy ireo, dia hatahotra satria fantatry ny Israely rehetra fa lehilahy mahery ny rainao, ary ireo lehilahy miaraka aminy dia tena matanjaka. 11 Noho izany dia manoro hevitra anao aho fa tokony havory miaraka eto aminao ny Israely rehetra, manomboka any Dana ka hatrany Beri-sheba, izay maro isa toy ny fasika eo amoron-dranomasina, ary ny tenanao mihitsy no andeha hiady. 12 Avy eo dia ho tonga eo aminy izahay na aiza na aiza mety hahitana azy, ary handrakotra azy tahaka ny ando mianjera amin'ny tany izahay. Tsy misy avelanay ho velona na dia iray amin'ireo olony, na izy tenany aza. 13 Raha misintaka any amin'ny tanàna iray izy, dia hitondra tady ho any amin'izany tanàna izany ny Israely rehetra ka ho tarihinay ho any an-drenirano izany, mandra-pahatsisy na dia vato kely iray aza hita ao." 14 Dia hoy i Absaloma sy ireo lehilahin'Israely hoe: "Ny torohevitr'i Hosay ilay Arkita dia tsara kokoa noho ny an'i Ahitofela." Yaveh dia nampisy fandavana ny torohevitra tsaran'i Ahitofela mba hitondrana loza eo amin'i Absaloma. 15 Dia hoy i Hosay tamin'i Zadoka sy tamin'i Abiatara mpisorona hoe: "Ahitofela nanoro hevitra an'i Absaloma sy ireo loholon'Israely tamin'ny fomba tahaka izany, nefa izaho manana hevitra hafa. 16 Koa ankehitriny ary, mandehana faingana ary tatero any amin'i Davida; teneno izy hoe: 'Aza mitoby ao amin'ireo fitàn'i Araba anio alina, fa miampità amin'ny fomba rehetra, raha tsy izany dia ho voatelina miaraka amin'ireo vahoaka rehetra izay miaraka aminy ny mpanjaka.'" 17 Ary i Jonatana sy Ahimaza nitoetra teo amin'ny loharanon'i En-rogela. Nisy mpanompo vavy natao handeha sy hampahalala azy ireo ny amin'izay tokony ho fantatr'izy ireo, fa tsy natahorana ho hita ny fidiran'izy ireo ao an-tanàna. Rehefa tonga ny hafatra, dia nandeha sy niteny an'i Davida Mpanjaka izy ireo. 18 Nefa nisy tovolahy nahita azy ireo tamin'io fotoana io ka niteny tamin'i Absaloma. Dia nivoaka faingana i Jonatana sy Ahimaza ary nankany an-tranon'ny lehilahy iray tao Bahorima, izay nanana lava-drano teo an-tokontaniny, tao no nidinan'izy ireo. 19 Naka fandrakofana ilay lava-drano ny vadin-dralehilahy ary nandrakotra izany tamin'ny vavan'ny lava-drano, ary nanaparitaka vary teo amin'izany, ka dia tsy nisy nahalala fa tao amin'ny lava-drano i Jonatana sy Ahimaza. 20 Tonga tao amin-dravehivavy tao an-trano ireo lehilahin'i Absaloma ary nanao hoe: "Aiza i Ahimaza sy Jonatana?" Hoy ravehivavy tamin'izy ireo hoe: "Efa niampita ny ony izy ireo." Ka rehefa avy nijery ny manodidina izy ireo ka tsy nahita azy ireo, dia niverina tany Jerosalema. 21 Ary rehefa lasa izy ireo dia niakatra avy tao an-dava-drano i Jonatana sy Ahimaza. Nandeha nitatitra tany amin'i Davida Mpanjaka izy ireo; hoy izy ireo taminy hoe: "Mitsangàna ary miampità faingana ny rano satria Ahitofela efa nanome torohevitra toy izao sy toy izao momba anao." 22 Dia nitsangana i Davida sy ny olona rehetra izay niaraka taminy, ka niampita an'i Jordana izy ireo. Nialohan'ny andro maraina dia tsy nisy tsy tafita an'i Jordana izy ireo. 23 Rehefa hitan'i Ahitofela fa tsy narahina ny toroheviny, dia nanisy lasely ny borikiny izy ary lasa. Nody tany an-tanànany izy, nandamina ireo raharahany, ary nananto-tena. Tamin'izany fomba izany no nahafaty azy ary nalevina tany amin'ny fasan-drainy izy. 24 Avy eo i Davida dia tonga tany Mahanaima. Raha ny amin'i Absaloma, dia niampita an'i Jordana izy, izy sy ireo lehilahin'Israely rehetra niaraka taminy. 25 Ary Absaloma nametraka an'i Amasa fa tsy Joaba hifehy ny tafika. Amasa dia zanaka lahin'i Jitra ilay Ismaelita, [1] izay nandry niaraka tamin'i Abigaila, izay zanaka vavin'i Nahasa ary rahavavin'i Zeroia, renin'i Joaba. 26 Ary Israely sy Absaloma dia nitoby tao amin'ny tanin'i Gileada. 27 Ary rehefa tonga tao Mahanaima i Davida, i Soby zanaka lahin'i Nahasa avy ao Raba ao amin'ireo Amonita, sy Makira zanaka lahin'i Amiela avy ao Lo-debara, ary Barzilay ilay Gileadita avy any Rogelima, 28 dia nitondra fandriana sy bodofotsy, lovia sy vilany, sy vary, kobam-bary hordea, lango, tsaramaso, voanemba, 29 tantely, dibera, ondry, ary ronono mandry, mba hafahan'i Davida sy ireo vahoaka niaraka taminy mihinana. Hoy ireo lehilahy ireo hoe: "Noana, reraka, ary mangetaheta any an'efitra ny vahoaka."
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:11 ihany io anaran-dehilahy io.
" lehilahy 12.000"
"nanomboka"
"tonga eo amin'ny"
Ireo teny ireo dia midika zavatra iray ihany ary nampiasaina miaraka mba hanindriana fa tena reraka i Davida. DH: "reraka"
Eto ny teny hoe "tahotra" dia azo ambara amin'ny mpamari-toetra hoe "matahotra". DH: "hanapoka azy sy hampitahotra azy"
Io dia manazava fa mikasa ny hamono ny mpanjaka izy. Izany dia afaka ambara mazava. DH: "Ny mpanjaka irery ihany no hovonoiko"
Io dia manondro ny vahoaka rehetra izay niaraka tamin'i Davida. DH: "mitondra miverina ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy"
Eto i Ahitofela dia miresaka ny hafalian'ny vahoaka amin'ny fampitahana izany amin'ny hafalian'ny vehivavy ampakarina. DH: "ary ho avy am-pifaliana, tahaka ny vehivavy ampakarina izay faly rehefa tonga eo amin'ny vadiny izy ireo" na "ary ho tonga am-pifaliana izy ireo"
Io dia midika hoe manana fiadanana na miaina am-pilaminana tanteraka. DH: "miaina am-pilaminana tanteraka"
Io dia manondro ny hoe ambany fahefan'ny mpanjaka. DH: "ambany fahefanao"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:32 ihany io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:11 ihany io anaran-dehilahy io.
Ny hatezeran'ireo miaramila eto dia ampitahaina amin'ny an'ny renina bera izay nalaina taminy ny zanany. DH: "izy ireo dia tezitra, tahaka ny renina bera izay nalaina taminy ny zanany" na "tena tezitra indrindra izy ireo"
biby lehibe voloina izay mandeha tongotra efatra ary manana hoho sy nify maranitra
Io dia midika fa niady tamin'ny ady maro izy ary mahay ireo fomba fiady tokoa. DH: "niady tao anatin'ny ady maro'' (UDB)
Io teny io dia nampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona amin'izay holazaina manaraka. DH: "Henoy"
lavaka lalina ambanin'ny tany
Io dia toeran-kafa mety hiafenany. DH: "na miafina any amin'ny toeran-kafa any"
DH: "rehefa mamono ny sasany amin'ireo lehilahinao ireo miaramilany"
Ny anarana hoe "famonoana" dia midika tranga izay hamonoana olona maro amin'ny fomba mahatsiravina. Io dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "Maro tamin'ireo miaramila izay nanaraka an'i Absaloma no novonoina" na "Ireo miaramila fahavalo dia namono maro tamin'ireo miaramila izay nanaraka an'i Absaloma"
Eto ireo miaramila dia tondroina amin'ny "fon'izy ireo". Ny herim-pon'izy ireo be ihany koa dia ampitahaina amin'ny an'ny liona. DH: "izay mahery fo tahaka ny liona" na "izay tena mahery fo"
Ny miaramila rehetra tany Israely ihany koa eto dia tondroina amin'ny hoe "ny Israely rehetra". DH: "tokony havory miaraka eto aminao ny miaramila Israelita rehetra"
Io andianteny io dia midika hoe manomboka amin'ny sisiny avaratr'i Israely ka hatrany amin'ny sisiny atsimo. DH: "amin'ny firenen'Israely manontolo"
Io dia itatra izay ampitahana ny fasika eny amoron-dranomasina rehetra amin'ny isan'ny miaramila Israelita. DH: "koa betsaka ka tsy voaisan'izy ireo tokoa"
Ny andianteny hoe "tenanao mihitsy" dia midika hoe ianao tenanao no handeha fa tsy haniraka olon-kafa. DH: "dia tarihonao ho ao amin'ny ady mihitsy izy ireo"
Io dia midika hoe mandeha amin-tanjona any amin'izay misy azy ary hanafika avy eo.
Ny tafik'i Absaloma soritsoritana hoe nandrakotra ny tafik'i Davida dia resahina toy ny hoe ando mandrakotra ny tany amin'ny maraina. DH: "hanafotra sy handresy ny tafik'i Davida tanteraka izahay"
zavon-drano izay afaka milatsaka amin'ny tany mandritra ny alina, mandrakotra ny tany ary mandena izany amin'ny maraina
DH: "Hovonoinay ny olony rehetra"
Ireo teny roa ireo dia samy manondro an'i Davida. DH: "Davida tenany"
Io dia manondro ireo miaramilan'ny Israely, fa tsy ny Israely rehetra. DH: "dia ny rehetra amin'ireo miaramilanao"
Io dia midika fa handrodana ny mandan'ny tanàna sy hitarika ireo potika any an-dranomasina ireo miaramila. DH: "handrava ny tanàna ary hitarika ireo vato any an-dranomasina amin'ny tady"
Io dia itatra mba hanoritsoritana ny fomba handravan'izy ireo tanteraka ny tanàna. Tsy hamafa ny vatokely rehetra hiala amin'ilay tanàna ara-bakiteny izy ireo. DH: "mandra-paharavan'ny tanàna tanteraka"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:32 ihany io anaran-dehilahy io. Ny hoe Arkita dia anarana vondron'olona.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:11 ihany io anaran-dehilahy io.
Ny teny hoe "fandavana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny hoe "mandà". DH: "satria nolavin'ireo lehilahin'ny Israely ny torohevitra tsaran'i Ahitofela"
Ny hoe "mitondra" zavatra eo amin'ny olona dia midika hoe mahatonga izany hitranga amin'izy ireo. DH: "mahatonga loza hitranga amin'i Absaloma" (UDB)
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:24 ihany ireo anaran-dehilahy ireo.
Io andianteny, midika hoe "tahaka izao" io, dia manondro izay natoron'i Ahitofela an'i Absaloma teo aloha teo tao amin'ny 17:1.
Ny fitàna dia faritra marivo amin'ny renirano izay ahafahan'ny olona miampita. Araba dia tany manaraka ireo sisiny roa amin'ny Reniranon'i Jordana.
Io dia midika hoe atao azo antoka fa manao zavatra ianao. DH: "ataovy azo antoka fa" na "ataovy azo antoka fa ianao dia"
Eto ny mpanjaka sy ny vahoakany vonoina dia soritsoritana toy ny hoe "natelin'ny" fahavalony izy ireo"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:27 ihany ireo anaran-dehilahy ireo.
Eto ny hoe "hafatra" dia resahina toy ny hoe ho tonga eo amin'izy ireo, raha ny tena marina dia ilay vehivavy no tonga ka nitondra ilay hafatra. DH: "Rehefa nitondra hafatra ho azy ireo izy"
"fotoana iray''
Io dia midika fa fantatr'izy ireo fa nilaza tamin'i Absaloma ilay tovolahy fa hoe tao izy ireo. Izany dia afaka ambara mazava. DH: "Fantatr'i Jonatana sy Ahimaza izay nataon'ilay tovolahy, koa nandeha niala tao izy ireo"
Ireo dia anaran-toerana, samy akaikin'i Jerosalema. Bahorima dia tanàna kely.
"nampidina ny tenany izy ireo ary niafina"
"ny vadin-dralehilahy"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:27 ihany ireo anaran-dehilahy ireo.
"Nitranga izany". Io teny io dia manamarika ny tranga manaraka amin'ny fizotry ny tantara.
Eto ny hoe "rano'' dia manondro ny Reniranon'i Jordana. DH: "niampita faingana ny renirano"
Ny fomba fiteny hoe "toy izao sy toy izao" dia nampiasaina eo amin'ny toeran'ny fampahalalana izay efa fantatry ny mpamaky. Eto izany dia manondro izay natoron'i Absaloma ao amin'ny 17:1. Io fampahalalana io dia afaka ambara mazava. DH: "efa nanoro hevitra fa nandefa azy niaraka tamin'ny tafika mba hanafika anao i Absaloma ankehitriny"
Niampita ny renirano avokoa izy rehetra. DH: "Nialohan'ny marain'andro dia tafita an'i Jordana avokoa izy rehetra"
"nahafantatra" na "nahalala"
DH: "Tsy nanaraka ny toroheviny i Absaloma"
mametraka lamba firakotra na fipetrahana kely vita amin'ny hoditra eo amin'ny ampondra na soavaly mba hipetrahan'ny mpitaingina
Nanomana ny fahafatesany tamin'ny filazana ny fianakaviany izay atao aorian'ny ahafatesany izy. DH: "nanomana ny fahafatesany izy"
"Ary izany no fomba"
DH: "Nalevin'izy ireo izy"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:8 ihany io anaran-dehilahy io.
Ireo dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao ny hoe Joaba sy Zeroia (renin'i Joaba) ao amin'ny 2:12.
Io teny io dia midika fa nidina avy any Ismaela ny olona iray. Ireo dikanteny sasany dia miteny hoe "Israelita" eto. Jereo ny fanamarihana. Mety hifidy ny teny izay ampiasaina betsaka amin'ny teny ao amin'ny Baiboly ao amin'ny faritrao ianao.
Ireo dia anaram-behivavy.
Io andianteny io dia nampiasaina mba hampidirana ny tranga manaraka ao amin'ny fizotry ny tantara.
Ireo dia anaran-tanàna na toerana.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anarana vondron'olona.
Ny fandriana dia zavatra malefaka mba hatoriana, ary ny bodofotsy dia lamba firakofana mba hamana.
Ny koba dia vary potika natao vovoka sy nampisaina mba hanaovana mofo.
"masaka"
voa izay andrahoina sy hohanina
karazana voa izay andrahoina sy hohanina
ronono izay marikivy sy lasa mafy
mila rano na zava-pisotro hafa
1 Nanisa ireo miaramila izay niaraka taminy i Davida ary nanendry kapitenin'ny arivo sy kapitenin'ny zato teo amin'izy ireo. 2 Avy eo dia nalefan'i Davida ny tafika, ny ampahatelony teo ambany fifehezan'i Joaba, ny ampahatelony iray hafa teo ambany fifehezan'i Abisay zanaka lahin'i Zeroia, rahalahin'i Joaba, ary ampahatelony iray hafa teo ambany fifehezan'Itahy Gatita. Hoy ny mpanjaka tamin'ny tafika hoe: "Izaho ihany koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa." 3 Fa hoy ireo lehilahy hoe: "Aoka tsy handeha amin'ny ady ianao, fa raha mandositra amin'ny ady izahay dia tsy hiraharaha izay momba anay izy ireo, na raha maty ny antsasakay dia tsy hiraharaha izy ireo. Fa ianao dia mendrika ny iray alina aminay! Noho izany dia tsara raha vonona hanampy anay avy aty amin'ny tanàna ianao." 4 Ka namaly azy ireo ny mpanjaka hoe: "Ho ataoko izay mety ho tsara aminareo." Dia nitsangana teo amin'ny vavahady ny mpanjaka mandra-pivoaka isan-jatony sy isan'arivony ny tafika. 5 Nandidy an'i Joaba, Abisay, ary Itahy ny mpanjaka nanao hoe: "Nohon'ny amiko dia mifanaraha amin-katsaram-panahy amin'ilay tovolahy, amin'i Absaloma." Ny vahoaka rehetra dia nandre fa nanome izany baiko izany an'ireo kapiteny momban'i Absaloma ny mpanjaka. 6 Ka lasa nankany ambanivohitra nanohitra an'Israely ny tafika; niparitaka tamin'ny alan'i Efraima ny ady. 7 Resy tany teo anatrehan'ireo miaramilan'i Davida ny tafik'Israely; nisy famonoana olona roa alina tany tamin'io andro io. 8 Niparitaka eraky ny faritra iray manontolo ny ady, ary maro kokoa ny olona ravan'ny ala noho ny sabatra. 9 Ary nifanehatra tamin'ny sasany tamin'ireo miaramilan'i Davida i Absaloma. Nitaingina ny ampondrany izy, ary nandeha tao ambany sampana matevin'ny hazo terebinta lehibe ny ampondrany, ka voahazona tao amin'ny rantsan'ny hazo ny lohany. Tavela nikiraviravy teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra izy raha lasa ny ampondra notaingenany. 10 Nisy olona iray nahita izany ka niteny tamin'i Joaba hoe: "Indro, hitako nihantona tamin'ny hazo terebinta i Absaloma." 11 Hoy i Joaba tamin'ilay olona izay niteny taminy ny momban'i Absaloma: "Indro, Hitanao izy! Nahoana no tsy novelesinao hianjera amin'ny tany izy? Mety ho nomeko sekela volafotsy folo sy fehinkibo ianao." 12 Namaly an'i Joaba ilay olona hoe: "Na dia nandray sekela volafotsy arivo aza aho, dia mbola tsy haninjitra ny tanako amin'ny zanaky ny mpanjaka, satria renay rehetra fa ny mpanjaka dia nibaiko anao, an'i Abisay, sy an'Itahy, nanao hoe: 'Aoka tsy hisy na iza na iza hikasika an'ilay tovolahy dia i Absaloma.' 13 Raha nahafoy ny aiko tamin'ny lainga aho (ary tsy misy zavatra miafina amin'ny mpanjaka), dia mety ho nanary ahy ianao." 14 Dia hoy i Joaba hoe: "Tsy hiandry anao aho." Ka naka lefona telo teny an-tanany i Joaba ary nandetika ireo tao amin'ny fon'i Absaloma, raha mbola velona sy nihantona teo amin'ny hazo terebinta izy. 15 Avy eo ireo tovolahy folo izay nilanja ny fitaovam-piadian'i Joaba nanodidina an'i Absaloma, namely azy, ary namono azy. 16 Avy eo i Joaba nitsoka ny trompetra, ary niverina avy tamin'ny fanenjehana an'Israely ny tafika, satria i Joaba no nifehy ny tafika. 17 Nalain'izy ireo i Absaloma ka natsipin'izy ireo tany anaty lavaka lehibe tao an'ala; nalevin'izy ireo tao ambany antontam-bato lehibe ny vatany, raha toa ka nandositra ny Israely rehetra, ny olon-drehetra ho any an-tranony avy. 18 Ary i Absaloma, raha mbola velona, dia nanangana antontam-bato lehibe tao amin'ny Lohasahan'ny Mpanjaka ho azy, fa hoy izy hoe: "Tsy manan-janaka lahy hitondra ny anarako aho." Nomeny ny anarany ilay antontam-bato, ka tamin'io andro io ihany dia nantsoina hoe: Tsangam-baton'i Absaloma izany. 19 Ary hoy i Ahimaza zanak'i Zadoka hoe: "Avelao hihazakazaka hitondra vaovao mahafaly ho any amin'ny mpanjaka aho, dia ny fomba namonjen'i Yaveh azy teo an-tanan'ireo fahavalony." 20 Namaly azy i Joaba hoe: "Tsy ianao no ho mpitondra vaovao anio; aoka amin'ny andro manaraka ianao no manao izany. Tsy hitondra vaovao ianao anio satria maty ny zanaka lahin'ny mpanjaka." 21 Ary hoy i Joaba tamin'ilay Kosita iray hoe: "Mandehana, lazao amin'ny mpanjaka izay hitanao." Dia niankohoka teo amin'i Joaba ilay Kosita, ary lasa nihazakazaka. 22 Avy eo i Ahimaza zanak'i Zadoka mbola niteny tamin'i Joaba indray hoe: "Na inona na inona mety hitranga, dia avelao hihazakazaka ihany koa aho ka hanaraka ilay Kosita." Joaba namaly hoe: "Nahoana ianao no te-hihazakazaka, ry zanako, nefa mahita fa tsy hahazo valisoa amin'ireo vaovao ianao?" 23 "Na inona na inona mitranga," hoy i Ahimaza, "Dia hihazakazaka aho." Ka namaly azy i Joaba hoe: "Mihazakazaha." Ary nihazakazaka tamin'ny tany lemaka i Ahimahaza, ka nihoatra an'ilay Kosita. 24 Ary i Davida nipetraka teo anelanelan'ny anatiny sy ivelan'ny vavahady. Nandeha teny amin'ny tafon'ny vavahady teny amin'ny manda ilay mpiambina ary nanandratra ny masony. Raha nijery izy, dia nahita lehilahy nanatona, nihazakazaka irery. 25 Nihiakiaka ilay mpiambina ary niteny tamin'ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Raha irery izy, dia misy vaovao ao am-bavany." Nanatona akaiky ilay mpihazakazaka ary nanakaiky ny tanàna. 26 Avy eo dia nahita mpihazakazaka iray hafa ilay mpiambina, ka nampiantso ny mpiandry vavahady izy; hoy izy hoe: "Indro, misy olona iray hafa mihazakazaka irery." Hoy ny mpanjaka hoe: "Mitondra vaovao ihany koa izy." 27 Ka niteny ilay mpiambina hoe: "Tahaka ny fihazakazak'i Ahimaza zanak'i Zadoka no fahitako ny fihazakazak'ilay olona iray eo aloha." Hoy ny mpanjaka hoe: "Lehilahy tsara izy ary tonga miaraka amin'ny vaovao mahafaly." 28 Dia niantso mafy i Ahimahaza ary niteny tamin'ny mpanjaka hoe: "Mety ny zava-drehetra." Nampiankohoka ny tenany tamin'ny tavany teo amin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka izy ary nanao hoe: "Deraina anie Yaveh Andriamanitrao! Nanafaka ny olona izay nanandratra ny tanan'izy ireo nanohitra ny mpanjaka tompoko Izy." 29 Ka namaly ny mpanjaka hoe: "Mety tsara ve ny amin'ilay tovolahy Absaloma?" Namaly i Ahimaza hoe: "Rehefa nandefa ahy, mpanompon'ny mpanjaka, hakaty aminao i Joaba, ry mpanjaka, dia nahita korontana lehibe aho, fa tsy fantatro hoe inona izany." 30 Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Mitodiha kely ary mitsangàna eto." Ka nitodika kely Ahimaza, ary nitsangana. 31 Dia tonga teo no ho eo ilay Kosita ka niteny hoe: "Misy vaovao mahafaly ho anao ry mpanjaka tompoko, fa ankehitriny Yaveh dia namaly faty anao tamin'ireo rehetra izay nitsangana nanohitra anao." 32 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay Kosita hoe: "Mety tsara ve ny amin'ilay tovolahy Absaloma?" Namaly ilay Kosita hoe: "Ireo fahavalon'ny mpanjaka tompoko, sy ireo rehetra izay mitsangana manohitra anao mba handratra anao, dia tokony ho tahaka an'io tovolahy io." 33 Dia ketraka fatratra ny mpanjaka, ka niakatra tany amin'ny efitrano ambonin'ny vavahady izy ary nitomany. Sady nandeha izy no nitaraina hoe: "Absaloma zanako, ny zanako, Absaloma zanako! Tokony ho izaho no maty fa tsy ianao, ry Absaloma, ny zanako, ny zanako!"
Tsy i Davida mihitsy no nanisa ny vahoaka rehetra, fa olon-kafa no nanisy azy ireo. DH: "Nandidy ireo miaramila izay niaraka taminy mba ho isaina sy ho tendrena i Davida" na "Nandamina ireo miaramila izay niaraka taminy i Davida ary nanendry"
Ny kapiteny dia olona izay ao amin'ny fahefana hanapaka vondrona miaramila.
Ny "ampahatelo" dia andiany iray anatin'ny andiany telo mitovy.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:18 ihany ireo anaran-dehilahy ireo.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:19 ihany io anaran-dehilahy io.
Io dia manondro olona avy any Gata, izay tanàn'ny Filistina iray.
Io dia midika fa hivoaka hiaraka amin'izy ireo mba hiady izy. Io dia afaka ambara mazava. DH: "Izaho mihitsy no handeha hiaraka aminareo mba hiady" (UDB) na "Izaho tenako no handeha hiaraka aminareo ho any an'ady"
Ny teny hoe "antsasany" dia manondro ny iray niala tamin'ny andiany mitovy.
Io dia midika fa ny tafika fahavalo dia mihevitra fa ny famonoana an'i Davida dia mendrika kokoa noho ny famonoana lehilahy 10.000 hafa. Ny isa 10.000 eto dia itatra nampiasaina mba hanindriana isan'olona tena maro an'isa. DH: "Aleon'izy ireo mamono anao toy izay mamono 10.000 aminay" na "ny famonoana anao dia mendrika kokoa ho azy ireo noho ny famonoana ny maro an'isa aminay"
"10.000"
Afaka manampy azy ireo avy ao amin'ny tanàna amin'ny fanoroana hevitra azy ireo sy fanirahana lehilahy mba hanampy azy ireo. Io dia afaka ambara mazava. DH: "fa hijanona eto an-tanàna ianao ary handefa fanampiana ho anay"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:18 ihany io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:19 ihany io anaran-dehilahy io.
"Noho ny amiko, dia aza mandratra ilay tovolahy, dia i Absaloma." Ny andianteny hoe "Mifanaraka amin-katsaram-panahy" dia midika hoe tsara fanahy amin'ny olona ary tsy manisy ratsy azy ireo.
"ny maha-izaho ahy" na "ny momba ahy"
Io dia midika fa nandeha nivoaka sy niady nanohitra azy ireo tao an'ady izy ireo. DH: "nandeha nivoaka tany ambanivohitra ary niady tamin'ny Israely"
Eto ny hoe "Israely" dia manondro ny miaramilan'izy ireo, fa tsy ireo Israelita rehetra. DH: "nanohitra ireo miaramilan'ny Israelita"
DH: "Eto ireo miaramilan'i Davida dia nandresy ny tafik'Israely"
tranga izay namonoana olona maro tamin'ny fomba mahatsiravina
" lehilahy 20.000"
Eto ny "ala" dia soritsoritana toy ny hoe velona izany ka afaka mihetsika. Ny "sabatra" dia manondro ireo miaramilan'i Davida izay niady tamin'ny sabatra. DH: "ireo zavatra mampidi-doza tany an'ala dia namono lehilahy maro mihoatra ny novonoin'ny miaramilan'i Davida tamin'ny sabatr'izy ireo"
Io dia tranga izay niseho nandritra ny ady. Izany dia afaka ambara mazava. DH: "Nandritra ny ady, dia nifanehatra tamin'ny sasany tamin'ireo miaramilan'i Davida i Absaloma"
Lava volo i Absaloma ka voahazona tao amin'ny rantsan-kazo izy. DH: "voahazona tao amin'ny rantsan-kazo ny volony"
nihantona na misavily mikirazorazo
"teny amin'ny rivotra" (UDB)
Eto io teny io dia nampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona amin'izay lazaina manaraka. DH: "Henoy"
Io fanontaniana fampisainana io dia midika fa tokony namono azy izy. Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fanambarana. Ny andianteny hoe "novelesina" dia midika hoe mamono. DH: "Tokony novelesinao hianjera tamin'ny tany izy!" na "Tokony novonoinao teo noho eo izy!"
Io dia afaka soratana amin'ny marika amin'izao fotoana izao. DH: " vola volafotsy folo" na " volafotsy 110 grama"
Io dia fehinkibo miavaka izay hanehoana ny olona fa miaramila lehibe ny olona iray ary tokony homem-boninahitra.
"sekela volafotsy 1.000". Io dia afaka ambara amin'ny marika amin'izao fotoana izao. DH: "vola volafotsy 1.000" na "volafotsy 11 kilao"
Ny andianteny hoe "naninjitra ny tanana" dia midika hoe manafika. DH: "tsy hanafika ny zanaky ny mpanjaka"
Eto ny hoe "mikasika" dia manondro ny hoe "manisy ratsy". DH: "Tsy misy olona tokony hanisy ratsy" na "Aza manisy ratsy"
Ny teny hoe "lainga" dia afaka lazaina amin'ny matoanteny. Io ihany koa dia manondro ny tsy fankatoavana ny didin'ny mpanjaka. Io dia afaka ambara mazava. DH: "manao zavatra izy tsy mety" na "amin'ny tsy fankatoavana ny mpanjaka"
Eto ilay lehilahy dia miresaka momba ny fomba ahafantaran'ny mpanjaka momba ny ankamaroan'ny zavatra rehetra izay mitranga toy ny hoe zavatra ara-batana izay fantany ny toerany ny zavatra rehetra. DH: "tsy misy zavatra izay tsy fantatry ny mpanjaka" na "mandre momba ny zavatra rehetra izay mitranga ny mpanjaka"
Ny tian'i Joaba tenenina dia hoe tsy tokony mbola hiresaka amin'ilay lehilahy izy. DH: "Tsy handany ny fotoanako hiresaka aminao intsony aho"
Eto ny fon'i Absaloma dia manondro ny tratrany na ny vatany ambony. DH: "tratra"
Io dia sady manondro ny fiarovana izay anaovana mba hiarovan-tena sy ireo fiadiany. DH: "fiarovana sy fitaovam-piadiana"
Io dia manoritsoritra izay nandidian'i Joaba tamin'ny fitsofana ny trompetra. DH: "Dia nitsoka ny trompetra mba hiantso ny tafika hiverina i Joaba, ka niverina avy tamin'ny fanenjehana an'i Israely"
Eto ny hoe "Israely" dia manondro ny tafika Israelita. DH: "niverina avy tamin'ny fanenjehana ny tafika Israelita"
"Nalain'izy ireo ny fatin'i Absaloma ka nariany izany"
Taorian'ny nametrahan'izy ireo ny fatiny tanaty lavaka dia nosaronan'izy ireo tamin'ny antontam-bato izany. DH: "nosaronan'izy ireo tamin'ny antontam-bato lehibe izany" (UDB)
Eto ny "Israely rehetra" dia manondro ireo miaramila Israelita. Ny teny hoe "nandositra" dia midika hoe mitsoaka. DH: "raha toa ka nitsoaka ny Israely rehetra"
Ireo dia anaran-toerana.
Mampiasa io andianteny hoe "ny anarako" i Absaloma mba hanondroana ny tenany sy ny rohim-pianakaviany. DH: "mba hitondra ny anaram-pianakaviako, izay amin'izany no ahatsiarovan'ny olona ahy"
DH: "koa nantsoin'ny olona ho Tsangambaton'i Absaloma nanomboka tamin'io andro io ihany izany"
Io dia manondro ny fotoana izay nanoratana ity boky ity.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:27 ihany io anaran-dehilahy io.
Eto i Ahimaza dia miresaka ny fihazakazahana handeha sy hilaza amin'ny mpanjaka ireo vaovao tsara toy ny hoe zavatra izay nolanjainy izany. DH: "nihazakazaka mba hilaza ny mpanjaka ireo vaovao tsara"
Eto ny "tanana" dia manondro ny fifehezana. DH: "ny fifehezan'ireo fahavalony"
"ny olona izay milaza vaovao"
Io dia manondro ny tsy fitondrana ireo vaovao any amin'ny mpanjaka. DH: "tsy hilaza ireo vaovao amin'ny mpanjaka ianao"
Niteny azy mba handeha sy hilaza momba ireo vaovao tamin'ny ady amin'ny mpanjaka i Joaba.
Io teny io eto dia nampiasaina mba hanamarika fihatoana ao amin'ny vontoatin'ny fizotry ny tantara sy ny fiantombohan'ny fizarana vaovao amin'ny tantara.
Eto ny mpiambina mijery zavatra dia resahina toy ny hoe nanandratra ny masony. DH: "ary nijery teny ampitan'ny tanàna"
Eto ny mpanjaka dia miresaka ilay lehilahy manana hafatra toy ny hoe zavatra izay mipetraka ao am-bava ireo vaovao. DH: "manam-baovao holazaina aminao izahay"
Mampitaha ny fomba fihazakazak'ilay lehilahy amin'ny fomba fihazakazak'i Ahimaza ilay mpiambina mba hanoroana hevitra fa mety ho izy izany. DH: "Heveriko fa Ahimaza zanak'i Zadoka ilay lehilahy mihazakazaka eo aloha, satria mihazakazaka tahaka an'i Ahimaza izy"
Nanao izany izy mba hanome voninahitra ny mpanjaka. DH: "Nampiankohoka ny tenany teo anoloan'ny mpanjaka izy ary ny tavany teo amin'ny tany mba hanomezam-boninahitra ny mpanjaka"
"Derao i Yaveh".
Eto i Ahimaza dia miresaka ireo olona nanohitra ny mpanjaka toy ny hoe nanandratra ny tanan'izy ireo teo anoloany izy ireo. DH: "ireo olona izay nanohitra sy niady tamin'ny mpanjaka tompoko''
Io dia midika fa nanao fihetsika toy ny zavatra tsy mety rehetra ny vahoaka.
"Mialà amin'ny lalana" na "Mijoroa etsy" (UDB)
Io dia midika hoe manohitra. DH: "nanohitra"
Mampiasa fampitahana ilay Kosita mba ho fomba mihaja hilazana amin'ny mpanjaka fa maty i Absaloma. Io dia afaka ambara mivantana kokoa. DH: "Tiako raha mba ireo fahavalonao rehetra...mba ho faty tahaka ny nahafatesan'io tovolahy io"
"tohina"
1 Nolazaina tamin'i Joaba hoe: "Indro, mitomany sy misaona ho an'i Absaloma ny mpanjaka." 2 Ka dia nivadika fisaonana ho an'ny tafika rehetra ilay fandresena tamin'io andro io, fa ny tafika nahare izany tamin'io andro io hoe: "Misaona ho an'ny zanany lahy ny mpanjaka." 3 Tsy maintsy niala mangingina ny tanàna tamin'io andro io ireo miaramila, tahaka ny vahoaka menatra miala moramora raha handeha an'ady izy ireo. 4 Nanarona ny tavany ny mpanjaka ary nitomany tamin'ny feo mafy hoe: "Ry Absaloma zanako, Absaloma, ny zanako, ny zanako!" 5 Ary niditra tao an-trano tao amin'ny mpanjaka i Joaba ary niteny taminy hoe: "Nanala baraka ireo tavan'ny miaramilanao rehetra anio, izay nanavotra ny ainao androany, ny ain'ireo zanakao lahy sy ireo zanakao vavy, sy ny ain'ireo vadinao ary ny ain'ireo vadin'ny andevonao ianao, 6 satria ianao dia tia ireo izay mankahala anao, ary mankahala ireo izay tia anao. Fa androany dia nasehonao fa tsinontsinona aminao ireo mpifehy sy miaramila. Ankehitriny dia mino aho fa raha velona i Absaloma, ary maty daholo isika, dia ho nahafaly anao izany. 7 Koa noho izany mitsangàna ka mivoaha ary resaho am-pahatsorana ireo miaramilanao, fa mianiana amin'i Yaveh aho, fa raha tsy mandeha ianao, dia tsy hisy olona na iray aza hijanona miaraka aminao anio alina. Ho ratsy kokoa aminao noho ny loza rehetra izay efa nihatra taminao hatramin'ny fahatanoranao ka hatramin'izao izany." 8 Koa nitsangana ny mpanjaka ary nipetraka teo am-bavahadin'ny tanàna, ary ny vahoaka rehetra nilazana hoe: "Indro, mipetraka eo am-bavahady ny mpanjaka," ary nankeo anoloany ny vahoaka rehetra. Dia nitsoaka ny Israely, samy nankany an-tranony avy ny olona rehetra. 9 Ary ny vahoaka rehetra niady hevitra ny amin'ny fokon'Israely rehetra nanao hoe: "Namonjy antsika teo an-tanan'ireo fahavalontsika ny mpanjaka, ary nanavotra antsika teo an-tanan'ireo Filistina izy, fa ankehitriny dia nitsoaka ny tany izy noho i Absaloma. 10 Absaloma, izay nohosorantsika hanjaka teto amintsika, dia efa maty tany an'ady. Koa nahoana ianareo no tsy miteny na inona na inona ny amin'ny fampodiana ny mpanjaka?" 11 Davida mpanjaka naniraka tany amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona nanao hoe: "Ilazao ireo loholon'i Joda hoe: 'Nahoana no ianareo indray no farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka any amin'ny lapany, nefa ny resaky ny Israely rehetra dia mankasitraka ny mpanjaka, mba hitondra azy hiverina any amin'ny lapany? 12 Rahalahiko ianareo, nofoko sy taolako. Koa nahoana no ianareo indray no farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka?' 13 Ary ilazao i Amasa hoe: 'Moa ve ianao tsy nofoko sy taolako? Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, ary mihoatra noho izany aza, raha tsy kapitenin'ny tafiko eo amin'ny toeran'i Joaba ianao manomboka izao." 14 Ary dia babony toy ny olona iray ireo fon'ny lehilahin'i Joda rehetra. Naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ireo nanao hoe: "Miverena, ianao sy ny olonao rehetra." 15 Dia niverina ny mpanjaka ka tonga teo amin'ny Jordana. Ary ny vahoakan'i Joda tonga teo Gilgala mba hitsena ny mpanjaka ary avy eo hitondra ny mpanjaka hiampita ny jordana. 16 Simey zanaka lahin'i Gera, ilay Benjamita, izay avy any Bahorima, dia nidina faingana niaraka tamin'ny vahoakan'i Joda mba hitsena an'i Davida Mpanjaka. 17 Nisy arivo lahy avy any Benjamina niaraka taminy, ary Ziba ilay mpanompon' i Saoly, sy ireo zanany lahy dimy ambin'ny folo ary ireo mpanompony roapolo niaraka taminy. Niampita ny jordana teo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo. 18 Niampita mba hitondra ny fianakavian'ny mpanjaka sy hanao izay rehetra noheveriny fa tsara izy ireo. Niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka i Simey zanaka lahin'i Gera mialohan'ny hiampitany ny Jordana. 19 Hoy i Simey tamin'ny mpanjaka hoe: "Tsia, ry tompoko, aza manameloka ahy na mahatsiaro izay nataon'ny mpanomponao tamim-pahamafisan-doha tamin'ny andro nialan'ny mpanjaka tompoko tao Jerosalema. Miangavy, aoka tsy handray izany am-po anie ny mpanjaka. 20 Fa ireo mpanomponao dia mahalala fa efa nanota aho. Indro, izany no antony nahatongavako voalohany tamin'ireo fianakavian'i Josefa rehetra androany mba hidina hitsena ny mpanjaka tompoko." 21 Fa i Abisay zanaka lahin'i Zeroia namaly ary nanao hoe: "Tsy tokony ho vonoina ve i Simey noho izany, satria nanozona an'ilay voahosotr'i Yaveh izy?" 22 Ary i Davida niteny hoe: "Moa mpifaninona izaho sy ianao, ry zanaka lahin'i Zeroia, no tokony ho mpanohitra ahy ianareo ankehitriny? Tokony hisy lehilahy ho vonoina ve eto Israely anio? Fa moa tsy fantatro ve fa izaho no mpanjakan'Israely anio?" 23 Koa niteny tamin'i Simey ny mpanjaka hoe: "Tsy ho faty ianao." Dia nampanantena azy tamim-pianianana ny mpanjaka. 24 Ary Mefiboseta zanaka lahin'i Saoly nidina mba hitsena ny mpanjaka. Tsy nanisy kapa ny tongony izy, na nanala ny volom-bavany, na nanasa ireo lambany nanomboka tamin'ny andro nandehanan'ny mpanjaka ka hatramin'ny andro nahatongavany soa aman-tsara tao an-trano. 25 Koa rehefa tonga avy tany Jerosalema izy mba hitsena ny mpanjaka, dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Nahoana ianao no tsy niaraka tamiko, ry Mefiboseta?" 26 Namaly izy hoe: "Ry mpanjaka tompoko, namitaka ahy ny mpanompoko, fa hoy aho hoe: 'Hanisy lasely ny ampondrako aho mba hahafahako mitaingina izany sy miaraka amin'ny mpanjaka, satria mandringa ny mpanomponao. 27 Ziba mpanompoko dia efa nanendrikendrika ahy, mpanomponao, tamin'ny mpanjaka tompoko. Fa ny mpanjaka tompoko dia toy ny anjelin'Andriamanitra. Noho izany, ataovy izay tsara eo imasonao. 28 Satria ny taranaky ny raiko rehetra dia efa lehilahy maty eo anatrehan'ny mpanjaka tompoko, kanefa ianao nametraka ny mpanomponao ho isan'ireo izay nihinana teo amin'ny latabatrao manokana. Koa inona intsony noho izany no rariny ho ahy izay tokony mbola hitarainako amin'ny mpanjaka?" 29 Dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Nahoana no manazava zavatra mihoatra?" Efa nanapa-kevitra aho fa ianao sy Ziba no hizara ireo saha." 30 Ary Mefiboseta namaly ny mpanjaka hoe: "Eny, aoka izy haka azy rehetra, satria ny mpanjaka tompoko dia efa tonga soa aman-tsara ato an-tranony." 31 Ary Barzilay ilay Gileadita dia nidina avy any Rogelima mba hiampita ny Jordana miaraka amin'ny mpanjaka, ary nanatitra ny mpanjaka niampita ny Jordana izy. 32 Barzilay dia lehilahy efa tena antitra, valopolo taona. Efa nanome vatsy ny mpanjaka izy fony izy nipetraka tao Mahanaima, satria lehilahy tena mpanefoefo izy. 33 Hoy ny mpanjaka tamin'i Barzilay hoe: "Ndeha hiara-mita amiko, ary hanome anao toerana miaraka amiko any Jeroselama aho." 34 Barzilay namaly ny mpanjaka hoe: "Hafiriana moa sisa no andro hiainako, no mbola tokony hiara-hiakatra amin'ny mpanjaka any Jerosalema aho? 35 Valopolo taona aho. Mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy ve aho? Mahavita mihinana izay haniko sy sotroiko ve ny mpanomponao? Moa ve aho mahare ny feon'ny mpihira lahy sy mpihira vavy intsony? Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho vesatra ho an'ny mpanjaka tompoko? 36 Te-hiampita an'i Jordana miaraka amin'ny mpanjaka fotsiny ny mpanomponao. Koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy tahaka izany? 37 Aoka re ny mpanomponao hody, mba ho faty any amin'ny tanànako eo akaikin'ny fasan'ny raiko sy ny reniko aho. Fa indro, inty i Kimama mpanomponao. Aoka izy hiara-mita amin'ny tompoko mpanjaka, ary ataovy aminy izay heverinao fa tsara aminao." 38 Dia namaly ny mpanjaka hoe: "Hiara-mita amiko i Kimama, ary hataoko aminy izay heverinao fa tsara, ary na inona na inona irinao aty amiko, dia hataoko izany ho anao." 39 Ary dia niampita an'i Jordana ny vahoaka rehetra, niampita ny mpanjaka, dia nanoroka an'i Barzilay izy ary nitso-drano azy. Dia nody tany an-tranony i Barzilay. 40 Dia nita an'i Gilgala ny mpanjaka, ary Kimama nita niaraka taminy. Ny tafik'i Joda rehetra dia nitondra ny mpanjaka niampita, ary koa ny antsasa-tafiky ny Israely. 41 Vetivety dia nanomboka tonga teo amin'ny mpanjaka ny lehilahin'Israely rehetra ary niteny tamin'ny mpanjaka hoe: "Nahoana ireo rahalahintsika, ireo lehilahin'i Joda, no nangalatra anao ary nitondra ny mpanjaka sy ny fianakaviany nita an'i Jordana, ary ny lehilahin'i Davida rehetra niaraka taminy?" 42 Dia namaly ny lehilahin'Israely ny lehilahin'i Joda hoe: "Izany dia satria ny mpanjaka akaiky anay kokoa. Koa nahoana ianareo no tezitra amin'izany? Efa nandany izay novidin'ny mpanjaka ve izahay? Efa nanome fanomezana ho anay ve izy?" 43 Dia namaly ny lehilahin'i Joda ny lehilahin'Israely hoe: "Manana foko folo mifandray amin'ny mpanjaka izahay, noho izany manan-jo kokoa ny amin'i Davida noho ianareo izahay. Koa nahoana ianareo no manao tsinontsinona anay? Moa ve tsy ny tolo-kevitray ny amin'ny hitondrana ny mpanjakanay hiverina no rè voalohany?" Fa ireo tenin'ny lehilahin'i Joda dia mahery kokoa noho ireo tenin'ny lehilahin'Israely.
DH: "Nisy olona nilaza tamin'i Joaba"
Io teny io dia nampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona amin'izay lazaina manaraka. DH: "Henoy, mitomany ny mpanjaka"
Io dia midika fa nisaona ny tafika manontolo raha tokony hankalaza. DH: "Koa raha tokony hankalaza ny fandresena tamin'io andro io, dia nisaona ny tafika manontolo"
Mampitaha ny fomba izay tsy maintsy nialan'ireo miaramila hiverina any an-tanàna amin'ny fomba izay ialan'ireo miaramila rehefa mitsoaka an'ady ny mpanoratra. Io dia manindry fa tena nahatsapa menatra izy ireo. DH: "tahaka ny fomba izay nitsoahan'ny olona an'ady no nialana satria menatra izy ireo"
mifindra fa tsy hitan'ny hafa
Io dia fomba hanehoana alahelo sy fisaonana. DH: "Naneho ny alahelony tamin'ny nanaronana ny endriny ny mpanjaka"
Eto ireo miaramila dia tondroina amin'ny tavan'izy ireo mba hanindriana fa tena nanafina ny endriny tokoa izy ireo noho ny henatr'izy ireo" DH: "Nahatonga ireo miaramilanao rehetra hanafina ny tavany noho ny henatra ianao androany" na "Nahatonga ireo miaramila rehetra ho menatra ianao androany"
Io andianteny io dia itatra, nefa izany dia maneho ny lanja ambany indrindra izay nasehon'i Davida ny tafika. DH: "dia tsy mendrika loatra aminao"
Manome fitrangan-javatra misy fepetra ny mpiteny.
Manao fianianana mafy i Joaba. DH: "Mianiana aho, fa raha velona koa i Yaveh"
Izany dia midika fa raha mandeha fotsiny i Davida dia hijanona miaraka aminy ireo miaramila. DH: "raha handeha fotsiny ianao dia hijanona miaraka aminao ny olonao rehetra"
Io dia manondro ireo izay tsy mivadika aminy. DH: "tsy misy olona na dia iray aza tsy hivadika aminao"
Io dia itatra, io dia midika hoe ny ankabeazan'ireo olona. DH: "maro tamin'ireo olona izay tao no nandre ny hafa nanao hoe"
Io teny io dia nampiasaina eto mba hisarihana ny sain'ny olona amin'izay ho lazaina manaraka. DH: "Henoy, mipetraka ny mpanjaka"
Eto ny hoe "vahoaka" dia manondro ny olona izay nanaraka an'i Davida. Io dia itatra, izay midika hoe maro an'isa izay nandeha ka niangona nanodidina azy. DH: "maro tamin'ny vahoaka"
Eto ny hoe "Israely" dia manondro ireo miaramila Israelita izay nanaraka an'i Absaloma. DH: "Ary ny miaramila Israelita tsirairay dia samy nandositra nankany an-tranony avy" na "Ary ireo miaramila Israelita rehetra dia nandositra nankany an-tranon'izy ireo"
Eto ny hoe "tanana" dia midika hoe fifehezana. DH: "tao ambanin'ny fifehezan'ireo fahavalontsika" na "tao amin'ny fifehezan'ireo fahavalontsika"
Eto ny hoe "tanana" dia midika hoe fifehezana. DH: "tao ambanin'ny fifehezan'ireo Filistina " na "tao amin'ny fifehezan'ireo Filistina"
Io dia midika fa niala tao amin'ny tanàna izy mba handositra an'i Absaloma. Izany dia afaka ambara mazava. DH: "niala ny tanàna mba handositra an'i Absaloma"
Io dia midika fa tokony hihevitra ny fampodiana an'i Davida izy ireo fa efa maty i Absaloma ankehitriny. Mety soratana ho fehezanteny ny fanontaniana. DH: "tokony miresaka momba ny fampodiana ny mpanjaka isika."
Io dia manondro an'i Davida.
Io dia midika fa naniraka mpitondra hafatra any amin'i Zadoka sy Abiatara i Davida. DH: "naniraka mpitondra hafatra tany amin'i Zadoka sy Abiatara"
Io fanontaniana fampisainana io dia napetraka mba hibedesana ireo loholona any Joda. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tokony ianareo no voalohany amin'ny fankasitrahana ny mpanjaka sy ny fampodiana azy ao amin'ny lapany, fa tsy ny vahoakan'ny firenen'i Israely."
Ny teny hoe "resaka" dia anarana izay afaka ambara amin'ny matoanteny hoe "miresaka" na "miteny". DH: "nefa miresaka am-pankasitrahana momba ny mpanjaka ary maniry ny hamerina azy ny Israely rehetra" na "nefa izay lazain'ny vahoakan'ny Israely dia mankasitraka ny mpanjaka, mba hampody"
Eto ny famerenana ny fahefan'ny mpanjaka mba hanapaka dia resahina toy ny hoe mampody azy ho ao an-dapany. DH: "mba hamerina ny fahefan'ny mpanjaka amin'ny maha-mpanjaka azy"
Eto ny mpanjaka dia manoritsoritra ny fomba nifandraisan'izy ireo tamin'ny filazana fa iray nofo sy taolana izy ireo. Ny teny azavaina hoe "ianareo" ihany koa dia mety hanampiana ny andianteny faharoa. DH: "Rahalahiko, havako ianareo" na "Rahalahiko ianareo, ary nofoko sy taolako"
Io dia fanontaniana fampisainana faharoa eto ary hibedesana ireo loholon'i Joda ihany koa. Io dia afaka soratana no fehezanteny. DH: "Tokony ianreo no voalohany, fa tsy farany, amin'ny fampodiana ny mpanjaka
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 17:24 ihany io anaran-dehilahy io.
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hanindriana fa mihavana izy ireo. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Nofoko sy taolako ianareo."
Eto i Davida dia miresaka ny fifandraisan'izy ireo amin'ny filazana fa iray nofo sy taolana izy ireo. Jereo ny nandikanao io andianteny io ihany ao amin'ny 19:11. DH: "havako"
Io dia fomba fiteny izay midika hoe hamono azy Andriamanitra. DH: "Hamono ahy anie Andriamanitra"
Eto ny tsy fivadihan'ireo lehilahy dia tondroina amin'ny hoe "fon'izy ireo". DH: "lasany ny fahatokiana"
Io dia miresaka ireo nikambanan'ireo olona ho iray amin'ny fahatokiany amin'ny mpanjaka toy ny hoe olona iray izay iray saina izy ireo. DH: "ary niaraka nikambana ho iray izy ireo" na "nikambana ho iray tamin'ny fahatokiany tamin'ny mpanjaka izy ireo"
Io dia midika fa naniraka mpitondra hafatra tany amin'ny mpanjaka izy ireo. DH: "Naniraka mpitondra hafatra tany amin'ny mpanjaka izy ireo"
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny nanaovanao ny anarana hoe "Ziba" tao amin'ny 9:1 ihany ireo.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 3:14 ihany io anaran-toerana io.
"1.000 lahy ... zanany lahy 15 ... mpanompony 20"
Io dia midika fa teo ny mpanjaka ary nahafantatra izay nitranga. DH: "teo amin'ny toerana izay nisy ny mpanjaka"
Io dia midika hoe "mahatadidy". DH: "tadidio"
Eto i Simey dia manondro ny tenany tahaka izany mba hanetre-tena eo anoloan'ny mpanjaka mba hanomezam-boninahitra ny mpanjaka.
"Ny mandray zavatra am-po" dia midika hoe mihevitra zavatra iray ho tena izy na akorontan'izany. DH: "aoka tsy ho voakorontan'izany" na "adinoy ny amin'izany"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:18 ihany io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:12 ihany io anaran-dehilahy io.
Tezitra tamin'i Simey tamin'ny nanozonany an'i Davida i Abisay ary nanoro hevitra fa tokony ho vonoina izy. Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tokony hovonoina i Simey satria nanozona ny voahosotr'i Yaveh."
Io dia manondro an'i Davida. Io dia midika fa izy no olona izay nosoran'i Yaveh ho mpanjaka. DH: "ilay olona izay nosoran'i Yaveh ho mpanjaka"
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hibedesana an'i Abisay. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy misy ifandraisana aminao izahay, ry zanak'i Zeroia! Tsy misy antony tsara tokony hahatonga anao ho fahavaloko androany."
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hibedesana an'i Abisay. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy misy olona hovonoina ato amin'ny firenen'Israely androany, satria izaho no iray izay mpanjaka manapaka ny Israely rehetra anio."
Io andianteny hoe "ho vonoina" io dia midika hoe halatsaka aina. DH: "Hisy olona ho vonoina ve" na "Ho didiako ho faty avokoa ny olona rehetra"
Ireo mety ho hevin'io fanontaniana fampisainana io dia 1) "Fantatro fa mbola mpanjakan'i Israely aho." (UDB) na 2) "Izaho no iray izay mpanjaka manapaka ny Israely ankehitriny!"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 4:4 ihany io anaran-dehilahy io.
"Tsy nikarakara ny tongony izy". Mandringa ny tongotr'i Mefiboseta. Io andianteny io dia midika fa tsy mba nikarakara ny tongony manokana izy.
I Davida dia manontany an'i Mefiboseta ny antony tsy nandehanany niaraka tamin'i Davida fony niala tao Jerosalema i Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy. DH: "Nahoana ianao no tsy niaraka tamiko fony aho niala teto Jerosalema, ry Mefiboseta?"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 9:1 ihany io anaran-dehilahy io.
Eto ny fahendren'i Davida dia ampitahaina amin'ny fahendren'ny anjely. DH: "ny tompoko mpanjaka dia hendry tahaka ny anjelin'Andriamanitra"
Io dia midika hoe manao izay heverinao fa mety. DH: "ataovy izay inoanao fa mety hatao"
Ny fahamendrehan'ny hamonoana ireo havany dia resahin'i Mefiboseta toy ny hoe efa novonoina ary maty izy ireo. DH: "ny taranaky ny raiko rehetra dia mendrika ny ho didian'ny tompoko mpanjaka ho vonoina"
Io dia manondro ireo havan'i Mefiboseta. DH: "ireo havan-draiko"
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Mefiboseta mba hanindriana fa tsy manan-drariny hangatahan-javatra amin'ny mpanjaka izy. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Noho izany, dia tsy manan-jo hangataka zavatra hafa ho ahy amin'ny mpanjaka aho."
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hilazana aminy fa tsy tokony hanohy hiteny momba ny fifandirany amin'i Ziba izy. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy tokony hanazava izany mihoatra ianao." na "Tsy tokony hiteny intsony tokoa ianao." (UDB)
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 17:27 ihany io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 17:27 ihany io anarana vondron'olona io.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 17:27 ihany ireo anaran-dehilahy ireo.
ny Renirano Jordana
"80 taona"
"namatsy"
Ny tian'i Barzilay ambara eto dia hoe antitra izy ary tsy misy antony ho azy intsony ny hanaraka an'i Davida. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Tsy ho velona haharitra taona maro intsony tokoa aho. Tsy misy antony tsara ho ahy ny handeha hiakatra hiaraka amin'ny mpanjaka ho any Jerosalema."
"80 taona"
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Barzilay mba hanindriana ny antony tsy itiavany andeha ho any Jerosalema. Eto ny hoe "tsara" sy "ratsy" dia manondro izay tiana sy izay tsy. Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy mahay manavaka izay tiana tsy izay tsy aho."
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Barzilay mba hanindriana ny antony tsy itiavany andeha ho any Jerosalema. Eto ny hoe "tsara" sy "ratsy" dia manondro izay tiana sy izay tsy. Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy afaka mankafy ny tsiron'izay hohaniko sy sotroiko aho."
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Barzilay mba hanindriana ny antony tsy itiavany andeha ho any Jerosalema. Eto ny hoe "tsara" sy "ratsy" dia manondro izay tiana sy izay tsy. Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy afaka mandre tsara ny feon'ny lehilahy mpihira sy vehivavy mpihira aho."
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Barzilay mba hanindriana fa tsy te ho vesatra ho an'ny mpanjaka izy. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy tokony handeha hiaraka aminao ka ho vesatra ho anao ny mpanomponao."
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Barzilay mba hanindriana fa tsy fantany izay antony hamalian'ny mpanjaka soa azy tahaka izany. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy aiko hoe nahoana ny mpanjaka no mamaly soa lehibe ahy tahaka izao"
Mangataka i Barzilay ny mba hamelana an'i Kimama haka ny toerany hiaraka amin'i Davida.
Io dia anaran-dehilahy.
Io dia tsy midika hoe te ho faty eo akaikin'ny fasan'izy ireo mihitsy izy, fa kosa, hoe te ho faty ao amin'ny tanàna izay nandevenana azy ireo. Izany dia afaka ambara mazava. DH: "izay misy ny fasan'ny raiko sy ny reniko" na "izay nandevenana ny raiko sy ny reniko"
Io dia manondro ny fiampitana ny Renirano Jordana. DH: "Aoka izy hiampita an'i Jordana"
Io dia manondro ny fiampitana ny Renirano Jordana. Izany dia afaka ambara mazava. DH: "Hiara-mita ny renirano miaraka amiko i Kimama" (UDB)
Nita ny Renirano Jordana izy ireo. Ireo teny tsy ao dia azo ampiana. DH: "niampita ny renirano ho any Gilgala"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 19:37 ihany io anarana io.
"Nitondra ny mpanjaka hiampita ny tafik'i Joda rehetra sy ny antsasaky ny tafik'i Israely"
Nita ny Renirano Jordana niaraka tamin'ny mpanjaka izy ireo. DH: "nanatitra ny mpanjaka hiampita"
Mampiasa io fanontaniana io ireo lehilahin'ny Israely mba hanehoana fa nahatsapa ho nivadihan'ny vahoakan'ny Joda izy ireo. Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy mety raha ny rahalahintsika, ireo lehilahin'i Joda, izay tsy nanohana anao amin'ny maha-mpanjaka anao, no nahazo tombony tamin'ny fitondrana anao sy ny fianakavianao niverina nita ny Renirano Jordana."
Ireo lehilahin'ny Israely dia miresaka ny fomba nanateran'ireo lehilahin'i Joda ny mpanjaka nita ny renirano toy ny hoe zavatra izay nangalarin'izy ireo izay tsy azy ireo izy. DH: "naka anao niala teto aminay" (UDB)
ny Renirano Jordana
Mametraka io fanontaniana fampisainana io ireo lehilahin'i Joda mba hibedesana ireo lehilahin'i Israely. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Nefa tsy manana antony hahatohina anareo ny amin'izany."
Manontany io fanontaniana io ireo lehilahin'i Joda mba hanehoana fa tsy naka na inona na inona tamin'ny mpanjaka izy ireo. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy mbola nividy sakafo ho anay ny mpanjaka, ary tsy mbola nanome fanomezana anay mihitsy izy."
"manana fanambarana lehibe kokoa amin'i Davida noho ny ianareo izahay." Mety hanampy ny anambarana mazava ny dikan'ny hoe "zo kokoa". DH: "manan-jo hanompo ny mpanjaka sy hiaraka amin'ny mpanjaka noho ianareo kokoa izahay"
Mametraka io fanontaniana fampisainana io ireo lehilahin'i Israely mba hanehoana ny hatezeran'izy ireo. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy tokony nanao tsinontsinona anay ianareo!"
Mametraka io fanontaniana fampisainana io ireo lehilahin'i Israely mba hibedesana ny vahoakan'i Joda. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Izahay nanorohevitra voalohany hoe hampody ny mpanjaka izahay!"
Eto ny hoe "teny" dia manondro ny tenin'ireo lehilahy. DH: "niteny mafy kokoa noho ireo lehilahin'ny Israely ireo lehilahin'i Joda"
1 Sendra nisy mpanakorontana iray teo amin'ilay toerana ary Seba no anarany zanaka lahin'i Bikry, Benjamita iray izy. Nitsoka ny trompetra izy sady niteny hoe: "Tsy manana anjara any amin'i Davida isika, no sady tsy mahazo lova any amin'ny zanaka lahin'i Jese. Avelao ny lehilahy rehetra hody any an-tranony, ry Israely." 2 Noho izany dia nandao an'i Davida ireo lehilahin'Israely rehetra ary nanaraka an'i Seba zanaka lahin'i Bikry. Nefa ireo vahoakan'i Joda nifikitra nanaraka ny mpanjakan'izy ireo, avy amin'ny lalan'i Jordana rehetra ka hatrany Jerosalema. 3 Rehefa tonga tao amin'ny lapany tao Jerosalema i Davida, dia naka ireo vady andevo folo izay navelany hiandry ny lapa izy, ary napetrany tao amin'ny trano iray voambina izy ireo. Nanome izay rehetra nilainy izy, fa tsy niara-nandry tamin'izy ireo intsony. Ka nihidy tao izy ireo mandra-pahatongan'ny andro nahafatesany, niaina tahaka ny mpitondratena izy ireo. 4 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Amasa hoe: "Vorio ao anatin'ny telo andro ireo lehilahin'i Joda; tsy maintsy eto ihany koa ianao." 5 Dia lasa Amasa namory ireo lehilahin'i Joda, nefa naharitra ela kokoa noho ny fe-potoana izay nandidian'ny mpanjaka azy izy. 6 Ka hoy i Davida tamin'i Abisay hoe: "Ankehitriny i Seba zanaka lahin'i Bikry dia hanao ratsy antsika mihoatra noho ny nataon'i Absaloma. Ento ireo mpanompon'ny tomponao, ireo miaramilako, ka enjeho izy, raha tsy izany hahita tanàna mimanda izy ka tsy ho hitantsika." 7 Dia lasa nanenjika azy ireo lehilahin'i Joaba, niaraka tamin'ireo Keretita sy ireo Peletita ary ireo mpiady mahery rehetra. Niala tao Jerosalema izy ireo mba hanenjika an'i Seba zanaka lahin'i Bikry. 8 Rehefa teo amin'ilay vato lehibe izay tao Gibeona izy ireo, dia tonga i Amasa mba hitsena azy ireo. Efa nanaovan'i Joba teny aminy ny akanjo fiadiana, izay nisy fehinkibo teny am-balahany niaraka tamin'ny fitoeran-tsabany nifatotra tamin'izany. Ary raha nandeha izy, dia latsaka ilay sabatra. 9 Ka hoy i Joaba tamin'i Amasa hoe: "Salama tsara ve ianao, ry rahalahiko? Noraisin'i Joaba tamim-pitiavana tamin'ny tanany havanana ny volombavan'i Amasa mba horohany. 10 Tsy tsikaritr'i Amasa ny sabatra kely izay teny an-tanan-kavian'i Joaba. Notsindromin'i Joaba teo amin'ny kibony i Amasa, ka nivaroraka tamin'ny tany ireo tsinainy, tsy namely azy intsony Joaba, ary maty Amasa. Noho izany dia nanenjika an'i Seba zanaka lahin'i Bikry i Joaba sy Abisay rahalahiny. 11 Avy eo dia nijanona teo amin'i Amasa ny iray tamin'ireo lehilahin'i Joaba, ary hoy ilay lehilahy hoe: "Izay momba an'i Joaba, sy izay momba an'i Davida, avelao izy hanaraka an'i Joaba." 12 Nihosona ny ràny teo afovoan'ny lalana i Amasa. Rehefa hitan'ilay lehilahy fa nijanona ny olona rehetra, dia nafindrany niala teo amin'ny lalana ho any amin'ny saha i Amasa. Nosaromany lamba teo amboniny satria hitany fa izay olona mandalo eo aminy dia mijanona. 13 Rehefa avy nesorina teo amin'ny lalana i Amasa, dia nanaraka an'i Joaba hanenjika an'i Seba zanaka lahin'i Bikry ny lehilahy rehetra. 14 Seba dia namakivaky ireo fokon'Israely rehetra tany Abela any Beti-maka, sy nanerana ny tanin'ny Berita rehetra, izay niangona ary nanenjika an'i Seba ihany koa. 15 Tratra izy ka nataon'izy ireo fahirano tany Abela tany Beti-maka. Nanandratra tovo-tany iray manoloana ny manda teo amin'ny tanàna izy ireo. Ny tafika rehetra izay nanaraka an'i Joaba dia nandrava ny manda mba hampianjera izany. 16 Avy eo dia nisy vehivavy hendry iray niantso ny tao an-tanàna hoe: "Henoy, mba henoy re, ry Joaba! Mankanesa eto akaikiko mba ho afaka hiresaka aminao aho." 17 Ka nanatona azy i Joaba, hoy ilay vehivavy hoe: "Ianao ve no Joaba?" Dia namaly izy hoe: "Izaho no izy." Ary hoy izy taminy hoe: "Henoy ny tenin'ny mpanomponao." Dia namaly izy hoe: "Mihaino aho." 18 Dia hoy izy hoe: "Fitenin'ireo taloha ny hoe: 'Mitadiava hevitra any amin'i Abela,' ary izany hevitra izany no hampitsahatra ny olana. 19 Izahay dia tanàna iray amin'ireo izay tena milamina sy mahatoky indrindra eto Israely. Mikasa hamotika tanàna iray izay reny eto Israely ianao. Nahoana ianao no mitady hihinana ny lovan'i Yaveh?" 20 Ka namaly i Joaba ary niteny hoe: "Sanatria, dia sanatria amiko, ny haka na hanimba. 21 Tsy marina izany. Fa misy lehilahy iray avy any amin'ny tany havoan'i Efraima, antsoina hoe Seba zanaka lahin'i Bikry, nanandratra ny tanany hanohitra ny mpanjaka, hanohitra an'i Davida. Izy irery no atolory, dia hiala eto amin'ny tanàna aho." Hoy ravehivavy tamin'i Joaba hoe: "Ho atsipy eo aminao hihoatra ny manda ny lohany. 22 Ary tamim-pahendreny no nanatonan'ilay vehivavy ny olon-drehetra. Notapahan'izy ireo ny lohan'i Seba zanaka lahin'i Bikry ary natsipin'izy ireo teo amin'i Joaba. Avy eo nitsoka ny trompetra izy ary nandao ny tanàna ireo lehilahin'i Joaba, ny lehilahy rehetra ho any an-tranony avy. Avy eo i Joaba dia niverina tany Jerosalema ho any amin'ny mpanjaka. 23 Ary i Joaba dia ambonin'ireo tafiky ny Israely rehetra, ary Benaia zanaka lahin'i Joiada dia ambonin'ireo Keretita sy ireo Peletita. 24 Adorama dia ambonin'ireo lehilahy izay nanao asa an-terivozona. Ary Josafata zanaka lahin'i Ahiloda no mpitahiry. 25 Seva no mpanora-dalàna, ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona. 26 Ira ilay Jairita no mpanolo-tsaina an'i Davida.
Io dia manondro ny tanànan'i Gilgala.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo fehezanteny roa ireo dia samy mitovy hevitra ihany. Manindry i Seba fa tsy manana fifandraisana amin'i Davida izy sy ireo fokon'ny Israely. DH: "Tsy antsika ny lovan'i Davida sy ny fianakavian-drainy" na "Tsy anisan'i Davida sy ny fianakavian-drainy isika"
Eto ny teny hoe "miandry" dia midika hoe mikarakara. DH: "mikarakara ny lapa"
Raha "voambina" ny trano iray dia midika izany fa misy mpiambina iray napetraka tao amin'ilay trano. DH: "tao an-trano ary nametraka mpiambina iray tao"
Izany dia midika fa tsy navela hiala ny trano izy ireo. DH: "nidìna tao anatin'ny trano izy ireo"
Ireo dia vehivavy izay maty vady.
Io dia mpifehy ny tafik'i Davida. Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 17:24 ihany io anaran-dehilahy io.
Io dia mpifehy ny tafik'i Davida hafa. Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:18 ihany io anaran-dehilahy io.
"mandratra anay kokoa"
Ny andianteny hoe "ireo miaramila" dia manazava ny hoe "mpanompo". Manondro ny tenany amin'ny fomba mihaja hoe "tomponao" i Davida mba hilazana ny olona izay manam-pahefana ambany kokoa.
"hazao"
Io dia midika fa hiditra amin'ireo tanàna ireo i Seba sy ireo lehilahiny mba hiafiana ny tafik'i Davida. Ny teny hoe "izy" dia manambara an'i Seba nefa sady manondro azy sy ireo lehilahiny izany. DH: "hiafina ao amin'ireo tanàna mimanda izy sy ireo lehilahiny" na "hialoka ao amin'ireo tanàna mimanda izy sy ireo lehilahiny"
Eto i Davida dia manondro ny tafiny amin'ny fahitany mba hanindriana fa mety hiafina i Seba sy ireo lehilahiny ka tsy ho voasambotry ny tafik'i Davida. DH: " avy eo amintsika"
Ireo dia anarana vondron'olona izay nanampy mba hiaro an'i Davida mpanjaka. Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 8:15 ireo.
"Rehefa teo i Joaba sy ireo lehilahin'i Joda"
hoditra misadika na zavatra hafa nampiasaina mba hihazonana akanjo na fiadiana amin'ny toerany
Io dia midika fa ao amin'ny fitoerany fiarovana izany ilay sabatra.
Navelan'i Joaba hilatsaka ilay sabatra mba hanadalana an'i Amasa amin'ny fieritreretana fa tsy mitondra fitaovam-piadiana i Joaba, mba amelana an'i Amasa hanakaiky azy kokoa. DH: "navelany hilatsaka tamin'ny tany ny sabatra koa dia nihevitra i Amasa fa tsy manana fitaovam-piadiana izy"
Amasa dia zana-drahavavin'ny renin'i Joaba.
"tamim-pahatsorana"
Io dia fomba iraisan'ny lehilahy mba hifampiarabana.
sabatra fohy izay mora afenina ary matetika nampiasaina amin'ny ady akaiky sy ny famonoana
"nivaroraka ireo tsinay"
Ny hoe "momba" olona dia midika hoe manohana azy ireo. DH: "izay manohana an'i Davida" na "izay tsy mivadika amin'i Davida"
"Nandadilady tao amin'ny ràny i Amasa". Mety mbola velona i Amasa ary nikodiadia teo amin'ny ràny, nefa mety efa maty tokoa izy tamin'io fotoana io. Izany dia soritsoritana tahaka izany mba hanehoana fa tena mahatsiravina tokoa ny nijery ny vatany. DH: "Maty nitsirara tao amin'ny ràny i Amasa"
Izany dia midika fa tsy nandeha intsony izy ireo fa nijery nandinika ny fatin'i Amasa. DH: "nijanona avokoa ny olona rehetra ary nijery nandinika ny faty...nandalo teo aminy ary nijanona, nijery nandinika ny fatiny"
"nentiny ny fatin'i Amasa"
DH: "Rehefa avy nanala an'i Amasa tamin'ny lalana ilay lehilahy"
Eto i "Seba" dia sady manondro azy no manondro ny tafiny. DH: "Seba sy ny tafiny" na "Seba sy ireo lehilahiny"
"Abela Beti-maka". Ireo anarana roa ireo dia samy manondro toerana iray ary azo atambatra. Io dia tanàna akaikin'ny fokon'i Dana.
Io dia anarana vondron'olona.
"ary nanaraka an'i Seba ihany koa"
"Tratran'i Joaba sy ireo miaramilany izy"
"manoloana ny mandan'ny tanàna"
Izany dia midika fa nampiasa andry fandrodanana mba handrodanana ny manda izy ireo. Ny andry fandrodanana dia hazo notapahina na hidy lehibe izay maranitra ny vodiny na voarakotra vy ny vodiny. Izany dia notanan'ny lehilahy vitsivitsy izay hadoboka amin'ny rindrina ny vodiny. DH: "nampiasa andry fandrodanana mba handrodanana ny manda"
Ny famerenana ny hoe "Henoy" dia manamafy ny fangatahan'ilay vehivavy.
Manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" ilay vehivavy. Io dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona manam-pahefana ambony.
"ary izay torohevitra izany no hamaha ny olana"
Afaka ampiana ny teny tsy ao. DH: "tanàna milamina sy mahatoky indrindra eto Israely"
Io dia miresaka ny hazava-dehiben'io tanàna io amin'ny firenen'ny Israely toy ny hoe reny izany tena hajaina izany. DH: "tanàna izay hajain'ny olona rehetra eto Israely tahaka ny hataon'izy ireo amin'ny reniny" na "tanàna izay tena manan-danja ka hajain'ny Israely"
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io ilay vehivavy eto mba hanoroana hevitra an'i Joaba izay tsy tokony ataon'izy ireo. Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy tokony mamotika ny tanàna izay lovan'i Yaveh ianao!"
Eto ilay vehivavy dia miresaka ny fandravan'ny tafika ny tanàna toy ny hoe sakafo izay hohanina ilay tanàna. DH: "mandrava"
Eto ny tanàna dia tondroina hoe lovan'i Yaveh mba hanindriana fa an'i Yaveh izany. DH: "tanàna izay an'i Yaveh" (UDB)
Mamerina io andianteny io izy mba hanindriana fa zavatra tsy tokony nataony mihitsy izany. DH: "Marina, dia marina tokoa, tsy hanao"
Io dia manondro ny faharavan'ny tanàna. Io dia mety ampiana. DH: "no tokony hihinana sy handrava ny tanànanao"
Ireo andianteny roa ireo dia samy midika hoe mandrava. Amin'ny andianteny voalohany "fandravana" dia resahina toy ny hoe "maka" izany. Ireo dia mety atambatra. DH: "mandrava na mamotika ny tanàna" na "mamotika"
Io dia midika hoe mikomy na miady amin'olona. DH: "efa nanohitra" na "mikomy manohitra ny" (UDB)
Mangataka ny vahoaka ao amin'ny tanàna mba hamotsotra an'i Seba ho azy i Joaba. DH: "Atolory aminay io lehilahy io" na "Omeo anay io lehilahy io"
Eto ny hoe "aho" dia manondro an'i Joaba sy ireo miaramilany. DH: "Hanala anao eto amin'ny tanàna izahay"
DH: "Hatsipinay ny lohany"
Io dia midika fa nanao fihetsika tamim-pahendrena sy niteny tamin'ny vahoaka momba izay tokony ataon'izy ireo ilay vehivavy. DH: "Dia niteny tamin'ny vahoaka rehetra ilay vehivavy hendry"
"nankany an-tranony avy ny lehilahy tsirairay"
Ny hoe "Ary" dia manamarika fihatoana ao amin'ny vontoatin'ny fizotry ny tantara. Io fizarana vaovao io dia manome fampahafantarana fototra momba ireo lehilahy izay nanompo an'i Davida mpanjaka.
Ny andianteny hoe "ambonin'ireo" dia manondro ny fananana fahefana hanapaka vondron'olona. DH: "I Joaba dia manam-pahefana amin'ny...i Benaia zanak'i Joiada dia manam-pahefana amin'ny...i Adorama dia manam-pahefana amin'ny"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 8:15 ihany io anarana io.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 8:15 ihany ireo anarana vondron'olona ireo.
"ireo andevo mpiasa"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia anarana vondron'olona.
1 Nisy mosary nandritra ny telo taona nisesy tamin'ny andron'i Davida, ary nitady ny tavan'i Yaveh i Davida. Ka hoy Yaveh hoe: "Eo aminareo io mosary io noho i Saoly sy ny fianakaviany mpamono olona, satria namono ireo Gibeonita izy." 2 Ary ireo Gibeonita dia tsy avy amin'ny vahoakan' Israely; fa avy amin'ny sisan'ireo Amorita izy ireo. Efa nianiana tsy hamono azy ireo ny vahoakan'Israely, saingy niezaka hamono azy ireo tamin'ny zotom-pony ihany i Saoly ho an'ireo vahoakan'Israely sy Joda. 3 Noho izany i Davida Mpanjaka dia niantso niaraka ireo Gibeonita ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Inona no tokony hataoko ho anareo? Ahoana no hahafahako manao fanavotana, mba hanomezanareo tso-drano ireo vahoakan'i Yaveh, izay mandova ny hatsaràny sy ireo fampanantenany?" 4 Namaly azy ireo Gibeonita hoe: "Tsy resaka volafotsy na volamena eo aminay sy Saoly na ny fianakaviany izany. Tahaka izany koa no tsy hamonoanay olona ao Israely." Dia namaly i Davida hoe: "Inona no lazainareo fa tokony hataoko ho anareo?" 5 Namaly ny mpanjaka izy ireo hoe: "Ilay lehilahy izay niezaka hamono anay rehetra, izay nanao tetika hanoherana anay, mba ho potika izahay izao ary tsy hanana toerana ao amin'ireo sisin-tanin'Israely— 6 aoka hisy lehilahy fito avy amin'ny taranany hatolotra anay, ary hanantona azy ireo eo anatrehan'i Yaveh any Gibean'i Saoly, ilay iray nosafidian'i Yaveh izahay." Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Homeko anareo izy ireo." 7 Fa namindra fo tamin'i Mefiboseta zanaka lahin'i Jonatana zanaka lahin'i Saoly ny mpanjaka, nohon'ny fianianan'i Yaveh teo amin'izy ireo, teo amin'i Davida sy Jonatana, zanaka lahin'i Saoly. 8 Kanefa nalain'ny mpanjaka ireo zanaka roa lahy an'i Rizpa zanaka vavin'i Aia, zanany avy amin'i Saoly—Armony sy Mefiboseta no anaran'ireo roa lahy; ary nalain'i Davida ihany koa ireo zanaka dimy lahy an'i Mikala zanaka vavin'i Saoly, izay avy amin'i Adriela zanaka lahin'i Barzilay ilay Meholatita. 9 Natolony teo an-tanan'ireo Gibeonita izy ireo. Nahanton'izy ireo tany an-tendrombohitra nanoloana an'i Yaveh izy ireo, ary niara-maty izy fito. Tamin'ny fotoam-pararano no namonoana azy ireo, nandritra ny andro voalohany tamin'ny fiantombohan'ny fijinjana ny vary hordea. 10 Avy eo i Rizpa, zanaka vavin'i Aia, naka lamba fisaonana ary namelatra izany ho an'ny tenany teo amin'ny tendrombohitra akaikin'ireo vata-mangatsiaka, hatramin'ny fiantombohan'ny fijinjana ka hatramin'ny nilatsahan'ny orana teo amin'izy ireo avy any an-danitra. Tsy navelany hanakorontana ireo razana ny voron'ny lanitra ny atoandro na ireo bibidia ny alina. 11 Nolazaina tamin'i Davida izay nataon'i Rizpa, zanaka vavin'i Aia, ilay vady andevon'i Saoly. 12 Noho izany dia nandeha i Davida ary naka ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany lahy teo amin'ireo lehilahin'i Jabesi-gileada, izay nangalatra ireo tao an-kianjan'ny daholobe tany Beti-sana, tany amin'izay nanantonan'ireo Filistina azy ireo, rehefa avy namono an'i Saoly tao Gilboa izy ireo. 13 Nalain'i Davida hiala tao ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany lahy, ary nanangona ny taolan'ireo lehilahy fito izay nahantona ihany koa izy ireo. 14 Nalevin'izy ireo tany amin'ny tanànan'i Benjamina tany Zela ny taolan'i Saoly sy Jonatana zanany, tao amin'ny fasan'i Kisy rainy. Nataon'izy ireo avokoa izay rehetra nodidian'ny mpanjaka. Taorian'izany dia novalian'Andriamanitra ny vavak'izy ireo ho an'ny tany. 15 Avy eo ireo Filistina dia nandeha niady tamin'Israely indray. Noho izany dia nidina niaraka tamin'ny tafiny i Davida ary niady nanohitra an'ireo Filistina. Reraky ny ady i Davida. 16 Jisbibenoba, taranaky ny Refaita, izay nilanja telonjato sekely ny lefony varahina, ary izay nanana sabatra fitaovam-piadiana vaovao, dia nikasa hamono an'i Davida. 17 Kanefa Abisay zanak'i Zeroia nanavotra an'i Davida, nanafika ny Filistina, ary namono azy. Avy eo ireo lehilahin'i Davida nianiana taminy, nanao hoe: "Tsy tokony handeha hiady hiaraka aminay intsony ianao, mba tsy hamonoanao ny jiron'Israely." 18 Ary taorian'io dia nisy ady niaraka tamin'ireo Filistina indray tao Goba, rehefa novonoin'i Sibeka ilay Hosatita i Safa, izay iray tamin'ny taranak'ireo Refaita. [1]19 Dia nisy ady indray tamin'ireo Filistina tao Goba, izay namonoan'i Elanana zanaka lahin'i Jare ilay Betlehemita an'i Goliata ilay Gatita, izay toy ny vodi-tenon'ny mpanenona ny lefony. 20 Ary tamin'ny ady hafa tao Gata dia nisy lehilahy vaventy nanana rantsan-tanana enina isaky ny tanany ary rantsan-tongotra enina isaky ny tongotra, efatra amby roapolo ny isany. Avy amin'ny taranaka Refaita ihany koa izy. 21 Rehefa naneso an'Israely izy, dia novonoin'i Jonatana zanaka lahin'i Simea, rahalahin'i Davida. 22 Ireo no taranaka Refaita tao Gata, ary novonoin'ny tanan'i Davida sy ny tanan'ireo miaramilany izy.
Eto ny hoe "tava" dia sarinteny ho an'ny fanatrehan'i Yaveh. Io dia midika fa nivavaka nangataka valiny tamin'i Yaveh momba ny mosary i Davida.
Efa namono Gibeonita maro i Saoly, ary meloka noho izany fahotana izany ireo taranak'i Saoly.
Eto ny hoe "Ary" dia manamarika fihatoana ao amin'ny vontoatin'ny fizotry ny tantara. Io dia manome fampahafantarana fototra momba ireo Gibeonita.
Ireo fehezanteny roa ireo dia manana dika iray ihany. DH: "Inona no azoko atao mba hanalana izao fahotana izao, mba ahafahanao mitso-drano ny vahoakan'i Yaveh, izay mandovo ny hatsarany sy ny fampanantenany?"
"Tsy hamaha ny olana ny vola"
"izay nanao drafitra hanohitra anay"
DH: "avelao hanolotra fito amin'ireo taranany ho anay ireo lehilahinao"
"hovonoinay amin'ny fanantonana azy izy ireo"
Avy any amin'ny tanàn-dehibe any Gibea i Saoly.
DH: "ilay iray izay voafidin'i Yaveh"
Mefiboseta dia zanak'i Jonatana. Jereo ny nandikanao izany anarana izany tao amin'ny 4:4.
Rizpa dia vehivavy ary ny rainy dia i Aia. Jereo ny nandikanao ireo anarana ireo ao amin'ny 3:6.
Ireo dia anaran-dehilahy. Io dia tsy ilay Mefiboseta iray ilay zanaka lahin'i Jonatana.
Io dia anaram-behivavy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 3:12.
Io dia anarana vondron'olona.
Eto ny hoe "tanan'ireo Gibeonita" dia sarinteny ho an'ny vahoaka Gibeonita. DH: "Nomeny ny Gibeonita izy ireo"
DH: "Novonoin'ireo Gibeonita izy ireo"
Rizpa dia vehivavy ary ny rainy dia i Aia. Jereo ny nandikanao ireo anarana ireo ao amin'ny 3:6.
DH: "Nisy olona nilaza tamin'i Davida"
Jabesy dia tanan-dehibe tao amin'ny faritr'i Gileada. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:4.
Io dia faritra akaikin'ny vavahadin'ny tanàna izay nanaovan'ny vahoaka karazana fandraharahana samihafa.
Io dia anaran-toerana.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 1:6 ihany io.
DH: "izay novonoin'ny Gibeonita tamin'ny fanantonana"
Io dia anaran-tanàn-dehibe any Benjamina.
Io dia anaran-dehilahy.
"rain'i Saoly"
Io dia anaran-dehilahy.
"300 sekely". Eo ho eo amin'ny 3.4 kilao eo izany.
Ny Abisay sy Zeroia dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao ireo anarana ireo ao amin'ny 2:18.
Ny hoe "jiron'Israely" dia sarinteny izay manondro ny fitarihan'i Davida sy ny hevitra hoe raha maty i Davida, dia tsy hanana torolalana mazava ny vahoakan'Israely.
Io andianteny io dia manamarika ny fiantombohan'ny fizarana vaovao ao amin'ny tantara. Raha misy fomba hanaovana izany ny fiteninao, dia afaka mampiasa izany eto ianao.
Io dia anaran-tanàna.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anarana vondron'olona.
Io vondron'olona io dia fantatra amin'ireo mpiadiny tena vaventy.
Rehefa manao akanjo voatenona ny olona iray dia hanatsofoka ny kofehy amin'ny farango mifatotra amin'ny tapa-kazo lava antsoina hoe "vodi-tenona". Io dia midika fa lava noho ny tokony ho izy ny lefon'i Goliata.
"rantsan-tanana sy rantsan-tongotra 24 ny fitambarany"
Io vondron'olona io dia fantatra amin'ireo mpiadiny tena vaventy.
Ireo dia anaran-dehilahy. I Simea dia rahalahin'i Davida.
Eto ny hoe "tanana" dia midika hoe "tamin'ny alalan'ny" na "tamin'ny". DH: "ary novonoin'i Davida sy ireo miaramilany izy ireo"
1 Nihira ho an'i Yaveh ireo teny amin'ity hira ity tamin'ny andro izay nanavotan'i Yaveh azy teo an-tanan'ireo fahavalony rehetra, sy teo an-tanan'i Saoly i Davida. 2 Nivavaka izy hoe: "Yaveh no vatolampiko, fiarovana mafy ho ahy, ilay Iray izay mamonjy ahy. 3 Andriamanitra no vatolampiko. Mialoka eo aminy aho. Izy no fiarovako, ilay tandroky ny famonjena ahy, fiarovana mafy ho ahy, sy fialofako, ilay Iray izay manavotra ahy amin'ny herisetra. 4 Hiantso an'i Yaveh, izay mendrika ny ho deraina aho, ka ho avotra amin'ireo fahavaloko aho. 5 Fa nanodidina ahy ireo aloky ny fahafatesana, nanafotra ahy ireo rano mikorian'ny fahapotehana. 6 Nanodidina ahy ireo tadin'ny fiainan-tsy hita; namandrika ahy ireo fandriky ny fahafatesana. 7 Tamin'ny fahoriako no niantsoako an'i Yaveh; niantso an'Andriamanitro aho; nandre ny feoko avy tao an-tempoliny Izy, ary tonga teo an-tsofiny ny antso vonjiko. 8 Dia nihozona sy nihovitra ny tany. Nihovitrovitra sy voahozongozona ny fiorenan'ny lanitra, satria tezitra Andriamanitra. 9 Niakatra avy tamin'ny vavorony ny setroka, ary afo miredareda no nivoaka avy tamin'ny vavany. Voarehitr'izany ny vain'afo. 10 Nanokatra ny lanitra Izy ka nidina, ary ny aizim-pito tao ambany faladiany. 11 Nitaingina Kerobima Izy ka nanidina. Hita teny an'elatry ny rivotra Izy. [1]12 Nataony ho lay nanodidina Azy ny aizina, nanangona rahon'orana matevina teny amin'ireo habakabaka izy. 13 Avy tamin'ny tselatra teo anatrehany no nilatsahan'ny vain'afo. 14 Yaveh nampikotrokotroka avy tany an-danitra. Nihiaka mafy ilay Avo Indrindra. 15 Nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ireo fahavalony— nandefa tsela-pahazavana ka nanaparitaka azy ireo. 16 Avy eo dia niseho ny fantson-drano; niharihary tamin'ny hiakan'adin'i Yaveh ny fanambanin'izao tontolo izao, tamin'ny fipoahan'ny fofon'ain'ny vavorony. 17 Nidina avy tany ambony Izy; nihazona mafy ahy Izy! Nisintona ahy tamin'ny rano manonja Izy. 18 Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko matanjaka Izy, tamin'ireo izay nankahala ahy, satria tena natanjaka izy ireo tamiko. 19 Tonga nanohitra ahy izy ireo tamin'ny androm-pahoriako, kanefa Yaveh no mpanohana ahy. 20 Namoaka ahy ho any amin'ny toerana midadasika ihany koa Izy. Namonjy ahy Izy satria faly tamiko. 21 Efa namaly soa ahy tamin'ny refin'ny fahamarinako Yaveh; efa namerina ahy tamin'ny laoniny tamin'ny refin'ny fahadiovan'ny tanako Izy. 22 Fa efa nitandrina ireo lalan'i Yaveh aho ary tsy mba nanao izay ratsy tamin'ny fialana tamin'ny Andriamanitro. 23 Satria ireo didiny marina rehetra dia efa teo anoloako; raha ny amin'ireo lalàny indray, dia tsy nivily tamin'ireny aho. 24 Efa tsy nanan-tsiny teo anatrehany ihany koa aho, ary nitandrina ny tenako tsy hanota aho. 25 Noho izany dia naverin'i Yaveh tamin'ny laoniny tamin'ny refin'ny fahamarinako aho, tamin'ny refin'ny fahadiovako teo imasony. 26 Ho an'ny iray izay mahatoky, mampiseho ny tenanao ho mahatoky Ianao; ho an'ny olona izay tsy manan-tsiny, dia mampiseho ny tenanao ho tsy manan-tsiny Ianao. 27 Amin'ny madio dia mampiseho ny tenanao ho madio Ianao, fa mivadika amin'ireo mpiolakolaka Ianao. 28 Manavotra ireo olona ory Ianao, nefa ireo masonao dia manohitra ny mpirehareha, ary ahetrinao izy ireny. 29 Fa Ianao no faniloko, ry Yaveh. Manazava ny aiziko Yaveh. 30 Fa noho Ianao dia afaka mihazakazaka mihoatra ny sakana aho; noho ilay Andriamanitro dia afaka mandingana rindrina aho. 31 Raha ny amin'Andriamanitra, tanteraka ny lalany. Madio ny tenin'i Yaveh. Izy dia fiarovana ho an'ireo rehetra izay mialoka eo Aminy. 32 Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Yaveh, ary iza no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika? 33 Andriamanitra no fialofako, ary mitarika ny olona tsy manan-tsiny amin'ny lalany Izy. 34 Manafaingana ny tongotro tahaka ny diera Izy ary mametraka ahy eny amin'ny havoana avo. 35 Manazatra ny tanako amin'ny ady Izy, sy ny sandriko hamoritra tsipìka varahina. 36 Efa nanome ahy ny fialofan'ny famonjenao Ianao, ary ny sitrakao no nanao ahy ho lehibe. 37 Efa nanao toerana midadasika ho an'ny tongotro teo ambaniko Ianao, ka tsy nibolisatra ny tongotro. 38 Nanenjika ireo fahavaloko aho ka namotika azy ireo. Tsy niverina aho mandra-pahapotik'izy ireo. 39 Nandevona azy ireo sy namotipotika azy ireo aho; ka tsy afaka nitsangana izy ireo. Lavo tao ambany faladiako izy ireo. 40 Nametraka hery tao amiko toy ny fehinkibo ho amin'ny ady Ianao; nametraka ireo izay nitsangana hanohitra ahy teo ambaniko Ianao. 41 Nanome ahy ny hatok'ireo fahavaloko Ianao; nandringana ireo izay nankahala ahy aho. 42 Niantso vonjy izy ireo, saingy tsy nisy nanavotra azy ireo; niantso mafy an'i Yaveh izy ireo, saingy tsy namaly azy ireo Izy. 43 Namely azy ireo ho singa madinika toy ny vovoka amin'ny tany aho, notorotoroiko toy ny fotaka eny amin'ny lalana izy ireo. 44 Efa namonjy ahy tamin'ny fifandiran'ireo vahoakako ihany koa Ianao. Efa notananao ho lohan'ireo firenena aho. Ny vahoaka izay tsy fantatro dia manompo ahy. 45 Noterena hiankohoka tamiko ireo vahiny. Vantany vao nandre ny momba ahy izy ireo, dia nankatò ahy. 46 Ireo vahiny dia nivoaka am-pangovitana tao amin'ny fiarovana mafin'izy ireo. 47 Velona i Yaveh! Ho deraina anie ny vatolampiko. Asandratra anie Andriamanitra, ilay vatolampin'ny famonjena ahy. 48 Izany no Andriamanitra izay manatanteraka famaliana ho ahy, Ilay Iray izay mampihetry vahoaka maro eo ambaniko. 49 Manafaka ahy amin'ireo fahavaloko Izy. Nanandratra ahy ho ambonin'ireo izay nitsangana hanohitra ahy tokoa Izy. Mamonjy ahy amin'ireo lehilahy mahery setra Ianao. 50 Noho izany dia hanolotra fisaorana ho Anao, eo amin'ireo firenena aho, ry Yaveh; hihira fiderana ho an'ny anaranao aho. 51 Andriamanitra manome fandresena lehibe ho an'ny mpanjakany, ary mampiseho ny tsy fivadiham-panekeny amin'ilay voahosony Izy, ho an'i Davida sy ho an'ny taranany mandrakizay."
Manomboka ho an'i Yaveh ny hiran'i Davida. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy.
Io dia fivoarana manomboka amin'ireo fahavalo amin'ny ankapobeny mankamin'ny fahavalon'i Davida manokana, dia i Saoly mpanjaka.
Io sarinteny io dia midika hoe "teo amin'ny herin'ny"
Io sarinteny io dia maneho fivoarana manomboka amin'ny ampahany dia ny "vatolampy" mankany amin'izy manontolo dia ny "fiarovana mafy". Ny fiarovana mafy dia namboarina tamin'ny vatolampy lehibe maro. Io dia midika fa manana ny hery hiarovana ny vahoakany amin'ny ratsy i Yaveh.
Mitohy ny hiran'i Davida ho an'i Yaveh. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy.
Ireo sarinteny rehetra ireo dia famantarana ny hery sy fahefan'Andriamanitra. Ireo dia manindry ny fahafahan'Andriamanitra miaro sy mamonjy ny vahoakany.
DH: "izay mendrika ny handray fiderana"
DH: "hamonjy ahy amin'ireo fahavaloko Izy"
Mitohy ny hiran'i Davida ho an'i Yaveh. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy.
Mampitaha ny olona ratsy fanahy izay te hamono azy amin'ny rano mikoriana izay andeha hanafotra azy i Davida. Ireo fehezanteny ireo dia misy dikany iray ihany ary nampiasaina mba hanindriana.
Io dia sarin'ny tondra-drano mikoriana mafy izay mamotika ny zavatra rehetra amin'ny lalany.
Miresaka momba ny fahafatesana sy ny Fiainan-tsy hita toy ny hoe olona izay miezaka mamandrika azy tahaka ny famandrihan'ny mpihaza biby i Davida. Ireo andianteny ireo dia manana hevitra iray ihany ary nampiasaina mba hanindriana.
Mitohy ny hiran'i Davida ho an'i Yaveh. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy.
"Tamin'ny fijaliako be"
Manondro ny tempoly any an-danitra izay hitoeran'i Yaveh i Davida. Ny tempoly eto an-tany dia tsy mbola natsangana.
Eto ny sarinteny hoe "sofiny" dia manondro an'i Yaveh sy ny fandrenesany ny antso vonjin'i Davida. DH: "nandre ny vavako hiantso vonjy Izy"
Miresaka an'i Yaveh toy ny hoe manan-tsofina i Davida.
Mitohy ny hiran'i Davida ho an'i Yaveh. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy.
Io dia valinten'i Yaveh ny antso vonjin'i Davida hanala ireo fahavalony. Mampiasa ny sarinteny hoe tany mihozona sy afo avy amin'i Yaveh i Davida mba hanindriana fa tena tezitra i Yaveh.
Miresaka ireo farany roa ireo mba hampidirana ny zava-boary rehetra.
DH: "fa nanozona ireo ny hatezeran'Andriamanitra"
Resahin'i Davida toy ny hoe nisy rantsam-batana Izy.
Eto ny hatezeran'i Yaveh dia ampitahaina amin'ny afo, izay mandrehitra ny vain'afo sy mandoro. DH: "Ny lela afo avy ao am-bavany dia mandrehitra ny vain'afo" na "Mandefa vain'afo avy amin'ny vavany ihany koa Izy"
Mitohy ny hiran'i Davida ho an'i Yaveh. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy.
Manoritsoritra ny fomba namonjen'i Yaveh an'i Davida tamin'ireo fahavalony toy ny hoe rahon'orana miangona amin'ny toerana iray i Davida. Io dia manindry ny herin'Andriamanitra sy ny hatezerany.
Resahin'i Davida toy ny hoe manan-tongotra tahaka ny olombelona Andriamanitra.
DH: "Niseho teny an'elatry ny rivotra Izy"
Io fiteny io dia miresaka ny rivotra toy ny hoe vorona izany.
Eto ny aizina noharian'i Yaveh dia ampitahaina amin'ny lay izay manafina Azy tanteraka. DH: "Miafina anatin'ny aizina Izy"
Mitohy ny hiran'i Davida ho an'i Yaveh. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy.
Mbola manohy manoritsoritra an'i Yaveh, izay ampitahainy amin'ny tafio-drivotra, tonga mba hanavotra azy amin'ireo fahavalony i Davida. Io dia manindry ny herin'Andriamanitra sy ny hatezerany amin'ireo fahavalon'i Davida.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Avy ao amin'ny hazavan'ny tselatra no nandefasany vain'afo" na 2) "Avy amin'ny fahazavany no nandefasany tselatra"
Manoritsoritra an'i Yaveh manao ireo fihetsika fataon'ny olona ireo i Davida.
Mampitaha ny tselatra avy amin'ny tafiotran'i Yaveh amin'ny zana-tsipìka izay ampiasain'ny miaramila i Davida.
Io dia tohin'ny hiran'i Davida ho an'i Yaveh. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy.
Rehefa nihiaka tao anatin'ny fanafihany ireo fahavalon'i Davida i Yaveh, dia nampitahaina tamin'ny heriny mba hahatonga korontana ao amin'ny faritra lalin'ny ranomasina sy ny tany izany. Io dia maneho ny halehiben'ny heriny sy ny hatezerany lehibe.
Mampitaha ny hatezeran'i Yaveh amin'ny safotofoto amin'ny tany i Davida. DH: "Nampiharihary ny fanambanin'ny tany ny hiakan'adin'i Yaveh"
Io dia tohin'ny hiran'i Davida ho an'i Yaveh. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy.
Ampitahain'i Davida amin'ny tondra-drano izay manambana ny hanafotra azy ireo fahavalony.
Safotra ireo fahavalon'i Davida. Midera an'Andriamanitra tamin'ny nanafahany azy tamin'ireo fahavalony rehetra izy.
Io dia tohin'ny hiran'i Davida ho an'i Yaveh. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy.
"Niady tamiko ireo fahavalo fony aho tao anaty fahoriana"
Ny teny hoe "andro" dia manambara ny fe-potoana naha-tao anatin'ny fahoriana an'i Davida.
"kanefa i Yaveh nanohana ahy" na "kanefa i Yaveh nanampy ahy"
Io dia manondro ny toerana izay tsy misy loza ary tsy afaka mamandrika azy ireo fahavalony.
Eto ny hoe "fahadiovan'ny tanako" dia mitovy dika amin'ny hoe "fahamarinana" ihany. DH: "satria nankatoa ireo didiny aho"
Manohy ny hirany ho an'i Yaveh i Davida.
Eto ny hoe "lalan'i Yaveh" dia manondro fa tian'i Yaveh hanao zavatra tokoa ny vahoakany. Io dia midika fa efa nanao izay nandidian'i Yaveh izy.
Io dia midika hoe mamaky sy mihevitra ny momba ireo didin'Andriamanitra tsy tapaka i Davida.
Manohy ny hirany ho an'i Yaveh i Davida.
Io dia manondro ny fisafidianana tsy hanota amin'i Yaveh.
Eto ny hoe "fahadiovana" dia mitovy dika amin'ny "fahamarinana" ihany. DH: "satria fantany fa efa nanao izay nandidiany aho"
Manohy ny hirany ho an'i Yaveh i Davida.
Eto ny hoe "mivadika" dia midika hoe fetsy, ary ny hoe "mpiolakolaka" dia midika hoe miala amin'ny tsara sy marina. Io dia midika fa hendry amin'ny fanasaziany ny olona ratsy fanahy Andriamanitra.
Manohy ny hirany ho an'i Yaveh i Davida.
Eto ny sarinteny hoe "masonao" dia manondro izay hitan'i Yaveh. Io dia midika fa mijery ny olona mirehareha i Yaveh.
"ary ravanao ny fireharehan'izy ireo"
Io sarinteny io dia mampitaha an'i Yaveh amin'ny fanilo, izay midika hoe manome hazavana sy fanampiana an'i Davida Izy mba hahita izy rehefa toa tsy misy fanantenana ny zavatra iray.
Manohy ny hirany ho an'i Yaveh i Davida.
Eto ny hoe "sakana" dia mety manondro vondrona miaramila na manda vato. Amin'ireo heviny roa ireo dia midika izany fa afaka mpandresy an'i Davida ireo fahavalony Andriamanitra.
Manitatra i Davida mba hanindriana ny fanampian'i Yaveh.
"Ny zavatra rehetra lazain'i Yaveh dia marina"
Ny sarinteny hoe "fiarovana" dia manondro ny herin'Andriamanitra ny hiaro ny vahoakany.
Manohy ny hirany ho an'i Yaveh i Davida.
Mampiasa io fanontaniana io i Davida mba hanindriana fa tsy misy Andriamanitra ankoatra an'i Yaveh. Ireo dia mety adika ho fehezanteny. DH: "Yaveh irery ihany no Andriamanitra. Ny Andriamanitsika irery ihany no vatolampy."
Ampitahain'i Davida amin'ny vatolampy i Yaveh mba hanindriana ny heriny sy ny fahafahany miaro ny vahoakany.
Mitandrina ny olona tsy manan-tsiny sy manala ny zavatra rehetra izay mety hanisy ratsy azy i Yaveh.
Manohy ny hirany ho an'i Yaveh i Davida.
Eto ny tongotr'i Davida dia ampitahaina amin'ny an'ny diera ary ampiasana itatra izany. Manome hery an'i Davida mba handeha faingana sy hanome toerana voaaro hiarovana sy hitsaharana ho azy i Yaveh.
Ireo dia samy manondro an'i Davida.
Ny lehilahy matanjaka ihany no afaka mampiasa tsipìka vita amin'ny vy.
Manohy ny hirany ho an'i Yaveh i Davida.
Mampitaha ny herin'Andriamanitra mba hanavotra azy amin'ny fialofana izay miaro ny miaramila amin'ny fahavalo i Davida.
Namaly ny vavak'i Davida sy nanome fitahiana ary fahombiazana hanohitra ireo fahavalony Andriamanitra.
Nametraka an'i Davida tamin'ny toerana milamina izay tsy ahafahan'ny fahavalony hamandrika azy i Yaveh. Ny hoe "tongotra" dia manondro ny fahafahan'i Davida mba hilamina hatrany izy.
Manohy ny hirany ho an'i Yaveh i Davida.
"nihaza ireo fahavaloko"
Eto i Davida dia mampitaha ny tenany amin'ny bibidia. DH: "Namotika tanteraka azy ireo tahaka ny bibidia nandrapaka ny hazany aho"
Eto ny hoe "tongotra" dia manondro ny hery sy fifehezana ny fandresena ireo fahavalony.
Manohy ny hirany ho an'i Yaveh i Davida.
Eto ny hery izay omen'i Yaveh dia ampitahaina amin'ny fehinkibo ho amin'ny ady izay namela an'i Davida hanao zavatra mahery.
"nanampy ahy handresy ireo izay niady tamiko Ianao"
Ireo mety ho heviny dia 1) Ny fahitan'i Davida ny hatoky ny fahavalo tahaka ny hoe nandositra izy ireo na 2) Ny fametrahan'i Davida ny tongony eo amin'ny hatoky ny fahavalony tao aorian'ny nandreseny azy.
"noravaiko tanteraka"
Manohy ny hirany ho an'i Yaveh i Davida.
"Niantso vonjy ireo fahavaloko"
Efa tonga tamin'izy ireo ny fotoan'ny fitsaran'i Yaveh.
Io dia midika fa namotika ireo fahavalony tanteraka i Davida. Ireo andianteny roa hoe "toy ny vovoka amin'ny tany" sy ny hoe "toy ny fotaka eny amin'ny lalana" dia misy heviny iray ihany ary nampiasaina hanindriana.
Manohy ny hirany ho an'i Yaveh i Davida.
Io dia manondro ireo izay teo amin'ny Israelita izay nikomy tamin'i Davida Mpanjaka.
"Efa nametraka ahy ho mpanapaka ireo firenena Ianao." Eto ny hoe "firenena" dia manondro ireo firenena ankoatran'ny Israely.
"Olona vahiny"
DH: "Niankohoka tamiko ireo vahiny"
Ireo fehezanteny ireo dia manana heviny iray ihany ary nampiasaina mba hanindriana. DH: "Hidera ny vatolampiko anie ny olona rehetra. Hanandratra ny vatolampiko anie ny olona rehetra"
Ampitahain'i Davida amin'ny vatolampy i Yaveh mba hanindriana ny heriny hiarovana ny vahoakany.
"Ilay Iray izay mametraka ny vahoakan'ireo firenen-kafa ambany fanapahako"
"nanavotra ahy tamin'ireo fahavaloko sy nanome voninahitra ho ahy Ianao"
"amin'ireo izay te hanisy ratsy ahy"
Manohy ny hirany ho an'i Yaveh i Davida.
Eto ny sarinteny hoe "anarana" dia manondro ny lazan'i Yaveh.
Eto i Davida dia mety manondro ireo fampanantenana nataon'i Yaveh ao amin'ny 7:8
1 Ireto ary ny tenin'i Davida farany— Davida zanaka lahin'i Jese, ilay lehilahy tena nomem-boninahitra, ilay lehilahy izay voahosotry ny Andriamanitr'i Jakoba, ilay mpanao salamo mahafinaritry ny Israely. 2 "Ny fanahin'i Yaveh niteny tamin'ny alalako, ary teo amin'ny lelako ny teniny. 3 Niteny ny Andriamanitr'Israely, niteny tamiko ilay Vatolampin'Israely hoe: 'Ilay manapaka ny olona amin'ny fahamarinana, ilay manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. 4 Izy dia ho tahaka ny fahazavan'ny maraina rehefa miposaka ny masoandro, maraina tsy misy rahona, rehefa mitsimoka avy amin'ny tany ny ahi-maitso amin'ny alalan'ny famirapiratan'ny masoandro aorian'ny orana. 5 Eny tokoa, tsy tahaka izany eo anatrehan'Andriamanitra ve ny ankohonako? Tsy efa nanao fanekena mandrakizay, voalahatra sy azo antoka amin'ny fomba rehetra tamiko ve Izy? Moa tsy mampitombo ny famonjena ahy sy manatanteraka ny faniriako rehetra ve Izy? 6 Kanefa ny tsy mendrika dia ho tahaka ny tsilo ariana avokoa, satria tsy voaangon'ny tanan'ny olona ireny. 7 Ny olona izay mikasika azy ireo dia tsy maintsy mampiasa fitaovana vita amin'ny vy na zana-tsipikan-defona. Tsy maintsy dorana eo amin'izay itoerany ireny.'" 8 Ireto avy ny anaran'ireo miaramila sangan'i Davida: Josebala ilay Takemonita no mpitarika ireo miaramila sangany. Nahafaty lehilahy valonjato tao anatin'ny ady iray izy. [1]9 Manarakaraka azy i Eleazara, zanaka lahin'i Dodo, zanaka lahin'i Ahohita, iray amin'ireo lehilahy telo maherin'i Davida. Teo izy tamin'ny nandresen'izy ireo ny Filistina izay niangona niaraka mba hiady, sy tamin'ny nihemoran'ny lehilahin'Israely. 10 Nitsangana i Eleazara ary niady tamin'ny Filistina mandra-pahavizana ny tanany ary niraikitra teo amin'ny tahon'ny sabany ny tanany. Nitondra fandresena lehibe tamin'izany andro izany i Yaveh. Niverina nanaraka an'i Eleazara ny tafika, mba hitsimpona izay amin'ireo faty fotsiny ihany. 11 Nanarakaraka azy i Sama zanaka lahin'i Age, ilay Hararita. Niara-niangona teo amin'izay nisy tanim-boanemba ny Filistina, ary ny tafika nandositra azy ireo. 12 Fa i Sama kosa nitsangana teo afovoan'ny saha ary niaro izany. Novoiny ny Filistina, ary nitondra fandresena lehibe Yaveh. 13 Ny telo tamin'ireo miaramila telopolo dia nidina tany amin'i Davida tamin'ny fotoanan'ny fararano, tao amin'ny zohin'i Adolama. Nitoby teo amin'ny Lohasahan'i Refaita ny tafik'ireo Filistina. 14 Tamin'izany fotoana izany i Davida dia tao amin'ny fiarovany mafy, zohy iray, raha nitoetra tao Betlehema ny Filistina. 15 Nitady rano i Davida ka hoy izy hoe: "Raha mba misy olona manome ahy rano ho sotroina avy amin'ny lava-drano ao Betlehema, ilay lava-drano eo akaikin'ny vavahady izao!" 16 Koa dia namakivaky ny tafiky ny Filistina ireo telo lahy mahery ireo ary naka rano avy tao amin'ny lava-dranon'i Betlehema, ilay lava-drano eo akaikin'ny vavahady. Nalain'izy ireo ny rano ary nentiny tany amin'i Davida, kanefa nandà ny hisotro izany izy. Fa nararany ho an'i Yaveh kosa izany. 17 Avy eo dia hoy izy hoe: "Ry Yaveh, sanatria, raha anao izany aho. Tokony hisotro ny ràn'ireo lehilahy izay nanao sorona ny ainy ve aho?" Ka dia nandà ny hisotro izany izy. Ireo zavatra ireo no nataon'ireo telo lahy mahery. 18 Abisay, rahalahin'i Joaba ary zanaka lahin'i Zeroia, no kapitenin'izy telo. Niady tamin'ireo telo arivo lahy izy ary namono azy ireo tamin'ny lefona. Voatonona matetika niaraka tamin'ireo miaramila telo izy. 19 Tsy nalaza noho ireo telo lahy ve izy? Natao kapitenin'izy ireo izy. Kanefa, ny lazany dia tsy nitovy tamin'ny lazan'ireo miaramila telo lahy malaza indrindra. 20 Benaia avy any Kabezela dia zanaka lahin'i Joiada; izy dia lehilahy matanjaka izay nanao asa lehibe. Namono ny zanaka roa lahin'i Ariela tany Moaba izy. Nidina tao anaty lavaka ihany koa izy ary namono liona raha mbola nisy oram-panala iny. 21 Ary dia namono lehilahy Egyptiana maro izy. Nanana lefona teny an-tanany ilay Egyptiana, kanefa tamin'ny tehina ihany no niadian'i Benaia taminy. Nalainy teny amin'ny tanan'ilay Egyptiana ny lefona ary tamin'ny lefony ihany no namonoany azy. 22 Benaia zanaka lahin'i Joiada no nanao izany asa lehibe izany, ary nankalazaina niaraka tamin'ireo telo lahy mahery izy. 23 Nalaza noho ireo miaramila telopolo izy amin'ny ankapobeny, kanefa tsy dia tena nalaza tahaka ireo miaramila telo sangany indrindra. Nefa i Davida nampiandraikitra azy ho mpiambina azy. 24 Anisan'ireo telopolo ireto lehilahy manaraka ireto: Asahela rahalahin'i Joaba, Elanana zanaka lahin'i Dodo avy any Bethlehema, 25 Sama ilay Harodita, Elika ilay Harodita, 26 Heleza ilay Paltita, Ira zanaka lahin' Ikesy ilay Tekoita, 27 Abiezera ilay Anatotita, Mebonay ilay Hosatita, 28 Zalmona ilay Ahohita, Maharay ilay Netofatita; 29 Haleba zanaka lahin'i Bana, ilay Netofatita, Itahy zanaka lahin'i Ribay avy any Gibean'ny taranak'i Benjamina, 30 Benaia ilay Piratonita, Hiday avy amin'ny lohasahan'ny Gasy. 31 Abi-albona ilay Arbatita, Azmaveta ilay Psaromita, 32 Eliaba ilay Salbonita, zanaka lahin'i Jasena, Jonatana zanaka lahin'i Sama ilay Hararita; 33 Ahiama zanaka lahin'i Sarara ilay Hararita, 34 Elifeleta zanaka lahin'i Ahasbay ilay Makatita, Eliama zanaka lahin'i Ahitofela ilay Gilonita, 35 Hezray ilay Karmelita, Paray ilay Arbita, 36 Jigala zanaka lahin'i Natana avy any Zoba, Bany avy amin'ny fokon'ny Gadita, 37 Zaleka ilay Amonita, Naharay ilay Berotita, mpitondra ny fitaovam-piadiana ho an'i Joaba zanaka lahin'i Zeroia, 38 Ira ilay Jitrita, Gareba ilay Jitrita, 39 Oria ilay Hetita—fito amby telopolo izy rehetra.
Io dia manamarika ny fiantombohan'ny fizarana vaovao ao amin'ny boky.
Io dia manondro izay holazain'i Davida ao amin'ny 23:1.
DH: "ilay lehilahy izay nomen'ny Andriamanitr'i Jakoba voninahitra lehibe sy nosorany"
Vita amin'ny fandrarahana diloilo eo an-dohan'ny olona ny fanosorana. Izany dia natao mba hifidianana izay ho mpanjaka na ho mpisorona hanompo an'Andriamanitra.
Io dia olona izay manoratra salamo na hira.
tamin'ny alalan'i Davida
Eto ny hoe "teo amin'ny lelako'' dia sarinten'ny fitenenan'i Davida. DH: "nanome hafatra ahy mba holazaiko Izy"
Manohy ny teniny farany i Davida.
Eto ny hoe "Andriamanitr'Israely" dia mitovy amin'ny hoe "Vatolampin'Israely" ihany. Ireo andianteny roa ireo dia milaza zavatra mitovy tokoa. Ampitahain'i Davida amin'ny vatolampy Andriamanitra mba hanindriana ny heriny hiarovana ny vahoakany.
Ireo fehezanteny roa ireo dia samy milaza fa hanaja an'Andriamanitra sy hanao izay tian'Andriamanitra ho ataony ilay mpanjaka.
"fanajana an'Andriamanitra"
Eto Andriamanitra dia mampitaha ny mpanjaka amin'ny fahazavan'ny maraina sy ny famirapiratan'ny masoandro aorian'ny orana. Ireo dia fomba fiteny avokoa fa ho sitrak'Andriamanitra sy ho fitahiana ho an'ny vahoaka izany mpanjaka izany. Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra iray ihany ary nampiasaina mba hanindriana. DH: "Ho sitraky ny rehetra izy"
Ity dia manohy ny tenin'i Davida farany.
Eto i Davida dia milaza fa manaiky an'Andriamanitra izy. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Ny fianakaviako dia tahaka izany tokoa eo anatrehan'Andriamanitra!"
Miaiky i Davida fa efa nanao fanekena taminy Andriamanitra. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Efa nanao...fomba tokoa Izy."
Io dia midika fa voalahatra tsara ary tsy hiova ny faneken'Andriamanitra ka afaka ny hatoky izany ny fianakavian'i Davida.
Mino i Davida fa hanampy sy hampiroborobo azy mandrakariva Andriamanitra. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Hampitombo ny famonjena ahy sy hanome ny faniriako rehetra Izy."
Ity dia anisan'ireo tenin'i Davida farany.
Eto ny olona ratsy fanahy dia ampitahaina amin'ny tsilo tsy misy ilàna azy. DH: "Nefa ny olona ratsy fanahy dia tsy mendrika ary mampidi-doza tahaka ny tsiko ariantsika"
"satria tsy misy olona afaka maka ireo amin'ny tanany ka tsy voaratran'ireo tsilo izy"
"Eo amin'izay ahitana ireo tsilo, no tsy maintsy andorana ireo." Izany dia midika fa handrava ny olona ratsy fanahy Andriamanitra.
Io dia anaran-dehilahy. Ireo dikanteny sasany mamaky hoe Joseba-basebeta, Jasobema, Isbala, na Isboseta satria misy ireo karazany ireo ny dikanteny samihafa taloha. Mety hifidy ny hilaza io ao amin'ny fanamarihana amin'ireo dikanteniny ireo mpandika teny
Io dia anarana vondron'olona. DH: "zanaka lahin'i Hakmona"
"800"
Ity dia manohy ny lisitry ny miaramila maherin'i Davida.
Io dia midika fa niverina taorian'ny niverenan'i Eleazara avy any an'ady ny tafika. DH: "Ny tafik'Israely dia niverina avy any amin'ny sahan'ady taorian'ny efa nandresen'i Eleazara an'ady"
"mba haka izay tian'izy ireo alaina amin'ireo fatin'ny fahavalo fotsiny ihany"
Ity dia manohy ny lisitry ny miaramila maherin'i Davida.
"saha izay nambolen'olona voanemba"
voa fisaka, hohanina tahaka ny tsaramaso.
"nandositra ny tafika Israelita"
Ireo dia tsy ireo miaramila telo notenenina tao amin'ny 23:8 ihany.
"ny 30" na "ireo miaramila Israelita telopolo mahery fo indrindra." Ny tena dikan'io fehezanteny io feno dia afaka azavaina.
"zohy akaikin'ny tanàn-dehiben'i Adolama." Adolama dia akaikin'i Betlehema.
Io dia anaran-toerana. Adikao tahaka ny tao amin'ny 5:17 ihany izany.
"tao amin'ny toerany voaaro tsara"
"nifehy ny zana-bohitr'i Betlehema ireo miaramila Filistina sasany"
"niady teny amin'ny lalan'izy ireo namakivaky ny tafiky ny fahavalo"
Ampitahain'i Davida amin'ny rano ny rà satria nanao sorona ny ain'izy ireo mba hitondra ny rano ho azy ireo lehilahy. Mampiasa io fanontaniana io izy mba hanindriana izany. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Ny fisotroana io rano io dia tahaka ny hoe fisotroana ny ràn'ireo lehilahy izay nanao sorona ny ainy mba hitondrana izany ho ahy."
Ireo no anaran'ireo lehilahy. Adikao tahaka ny ao amin'ny 2:18 ireo.
Io dia midika fa i Abisay no mpitarika azy telo izay nandeha ka naka rano ho an'i Davida.
"300 lahy"
DH: "Notononin'ny olona matetika izy rehefa miresaka momba ireo telo lahy mahery fo izy ireo"
Nampiasaina io fanontaniana io mba hanindriana fa tena nalaza tokoa izy.I o fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Nalaza kokoa noho izy telo aza izy."
Io dia manondro an'i Joseba-basebeta, Eleazara, sy Sama. Tsy nalaza tahaka ireo miaramila ireo i Abisay.
Io dia anaran-tanàna.
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 8:15.
Io dia anaran-dehilahy.
"nanao ireo asa mahery ireo"
DH: "nidera azy tahaka ny niderany ireo telo lahy mahery izy ireo"
"Nalaza kokoa noho ireo miaramila 30 hafa ankoatran'ireo miaramila telo tsara indrindra izy"
Io dia manondro an'i Joseba-basebeta, Eleazara, sy Sama.
vondrona miaramila niandraikitra ny fiambenana an'i Davida
Ity dia lisitr'ireo miaramilan'i Davida lehibe indrindra.
"Ireo miaramila 30 nalaza indrindra"
Ity dia tohin'ny lisitr'ireo miaramilan'i Davida lehibe indrindra.
Ity dia tohin'ny lisitr'ireo miaramilan'i Davida lehibe indrindra.
Ity no mamarana ny lisitr'ireo miaramilan'i Davida lehibe indrindra.
"nisy 37 ny fitambarany"
1 Dia nirehitra tamin'Israely indray ny fahatezeran'i Yaveh, ka nataony nanohitra azy ireo i Davida nanao hoe: "Mandehana, isao Israely sy Joda." 2 Niteny tamin'i Joaba mpifehy ny tafika, izay niaraka taminy ny mpanjaka hoe: "Mandehana manerana ny fokon'Israely rehetra, manomboka any Dana ka hatrany Beri-sheba, ary isao ny olona rehetra, mba hahafantarako ny fitambaran'ny isan'ireo lehilahy sahaza ho an'ny ady." 3 Hoy i Joaba tamin'ny mpanjaka hoe: "Afaka mampitombo ny isan'ny vahoaka injato ve Yaveh Andriamanitrao, ary afaka mijery ny fitrangan'izany ve ny mason'ny mpanjaka tompoko. Nefa nahoana no maniry izany ny mpanjaka tompoko?" 4 Na dia izany aza, ny tenin'ny mpanjaka dia nanohitra an'i Joaba sy nanohitra ireo mpifehy ny tafika ny farany. Ka nivoaka teo amin'ny fanatrehan'ny mpanjaka i Joaba sy ireo mpifehy mba hanisa ny vahoakan'Israely. 5 Niampita an'i Jordana ary nitoby tao akaikin'i Aroera, atsimon'ny tanàna any an-dohasaha izy ireo. Dia nandroso hatrany Gada ka hatrany Jazera izy ireo. 6 Tonga tany Gileada sy tany amin'ny tanin'i Tatima-hodsy izy ireo, avy eo dia tany Danajana ary nanodidina hatrany Sidona. 7 Tonga tany amin'ny fiarovana mafin'i Tyro sy ny tanànan'ny Hivita sy ny Kananita rehetra izy ireo. Avy eo dia nivoaka nankany Negeva any Joda ao Beri-sheba izy ireo. 8 Ka rehefa avy nitety ny tany rehetra izy ireo, dia niverina tany Jerosalema izy ireo tamin'ny faran'ny sivy volana sy roapolo andro. 9 Dia nitatitra ny fitambaran'isan'ireo lehilahy mpiady tany amin'ny mpanjaka i Joaba. Nisy lehilahy be herim-po 800. 000 izay nanatsoaka sabatra tao amin'Israely, ary ireo lehilahin'i Joda dia lehilahy 500. 000. 10 Dia nampahory azy ny fon'i Davida rehefa avy nanisa ireo lehilahy izy. Ka niteny tamin'i Yaveh izy hoe: "Nanota tanteraka tamin'ny fanaovana izany aho. Ankehitriny, ry Yaveh, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana tokoa aho." 11 Rehefa nifoha i Davida ny maraina, dia tonga tamin'i Gada mpaminany, mpahitan'i Davida ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 12 "Andeha lazao amin'i Davida hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: "Manome safidy telo anao Aho. Ka misafidiana iray amin'ireo.'"" 13 Dia nankany amin'i Davida i Gada ka niteny taminy hoe: "Mosary telo taona ve no ho tonga aminao ao amin'ny taninao? Sa handositra telo volana ireo fahavalonao ve ianao raha manenjika anao izy ireo? Sa hisy areti-mandringana telo andro ao amin'ny taninao? Ankehitriny manapaha hevitra ny amin'izay valiny tokony havaliko Azy ilay naniraka ahy." 14 Dia hoy i Davida tamin'i Gada hoe: "Ao anaty fikorontanana tanteraka aho. Aoka isika ho lavo eo an-tanan'i Yaveh toy izay eo an-tanan'ny olona, satria tena lehibe ny famindram-pony." 15 Ka nandefa ny areti-mandringana teo amin' Israely nanomboka ny maraina ka hatramin'ny fotoana voatondro i Yaveh, ary olona fito alina no maty nanomboka tao Dana ka hatrany Beri-sheba. 16 Rehefa naninjitra ny tanany nankany Jerosalema mba hamotika izany ny anjely, dia niova hevitra nohon'ny ratsy izay haterak'izany Yaveh, ka niteny tamin'ny anjely izay namotika ny olona Izy hoe: "Ampy izay! Ahemory ny tananao izao." Tamin'io fotoana io ny anjelin'i Yaveh dia nitsangana teo am-pamoloan'i Araona Jebosita. 17 Dia niresaka tamin'i Yaveh Davida rehefa nahita ny anjely izay namely ny vahoaka, ary nanao hoe: "Efa nanota aho, ary ratsy fitondran-tena. Nefa ireo ondry ireo, inona no nataony?" Aoka re mba izaho sy ny ankohonan-draiko no ho sazian'ny tananao!" 18 Avy eo dia tonga teo amin'i Davida tamin'io andro io i Gada ary niteny taminy hoe: "Miakara ary manamboara alitara ho an'i Yaveh eo am-pamoloan'i Araona ilay Jebosita." 19 Dia niakatra araka izay nandidian'i Gada azy ho ataony Davida, araka izay nandidian'i Yaveh. 20 Nijery tany ivelany Araona ary nahita ny mpanjaka sy ireo mpanompony nanatona. Dia nivoaka i Araona ary nampiankohoka ny tavany teo amin'ny tany teo amin'ny mpanjaka. 21 Dia hoy i Araona hoe: "Nahoana no tonga eto amiko, mpanompony, ny mpanjaka tompoko?" Namaly i Davida hoe: "Hividy ny famoloanao, mba hahafahako manamboatra alitara ho an'i Yaveh, mba hialan'ny areti-mandringana eo amin'ny vahoaka." 22 Hoy i Araona tamin'i Davida hoe: "Ataovy toy ny anao izany, ry mpanjaka tompoko. Ataovy amin'izany izay tsara eo imasonao. Indro, indreto misy omby atao fanatitra dorana sy fivelezam-bary ary ziogan'omby atao kitay. 23 Ireo rehetra ireo, ry mpanjakako, izaho, Araona, dia hanome anao izany." Dia hoy izy tamin'ilay mpanjaka hoe: "Hanaiky anao anie Yaveh Andriamanitrao." 24 Hoy ny mpanjaka tamin'i Araona hoe: "Tsia, hovidiko amin'ny vidiny izany. Tsy hanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh amin'ny zavatra izay tsy nisasarako aho." Koa novidian'i Davida sekely volafotsy dimampolo ny famoloana sy ireo omby. 25 Nanamboatra alitara ho an'i Yaveh tao Davida ary nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo amin'izany. Dia nitalaho tamin'i Yaveh ho an'ny tany izy ireo, ka nampitsahatra ny areti-mandringana nanerana an'Israely Izy.
Ny teny hoe "nirehitra" dia midika hoe nandrehitra afo. Eto ny hatezeran'i Yaveh dia ampitahaina amin'ny an'ny afo. DH: "nanomboka nirehitra tahaka ny afo ny hatezeran'i Yaveh"
"nahatonga an'i Davida hanohitra azy ireo Izy"
Amin'ny lalàn'i Mosesy, dia nandrara ireo mpanjakan'Israely tsy haka ny fanisana ireo lehilahy mpiady Andriamanitra. Ny tena dika fenon'io fehezanteny io dia afaka azavaina.
Io andianteny io dia mampiasa anaran-toerana roa antsoina hoe Dana, any amin'ny farany avaratra, sy Beriseba, any amin'ny farany atsimo, mba hanondroana ny tanàna manontolo.
Izany dia midika hoe manisa ny lehilahy rehetra afa-tsy ireo lehilahy izay na tanora loatra, na antitra loatra, na tsy afaka miady noho ny toe-batany.
Io dia midika hoe "mahatonga olona 100 maro kokoa isaky ny olona tsirairay izay efa eo."
Tsy afa-mandresy lahatra an'i Davida tsy haka ny fanisana i Joaba sy ireo mpifehy ny tafik'i Davida mpanjaka.
Io andianteny io dia manambara ny didin'ny mpanjaka tamin'izy ireo. DH: "izay efa nandidian'ny mpanjaka"
"Niampita i Joaba sy ireo mpifehy ny tafika"
Io dia tanàna any amin'ny sisiny avaratry ny Renirano Arnona.
Io dia tanàn-dehibe any Gada.
Io dia mety manondro ny tanàn-dehibe any Kadesy any amin'ny tanin'ny vahoaka Hetita.
Ka rehefa avy nitety ny tany rehetra i Joaba sy ireo mpifehy ny tafika
"9 volana sy 20 andro"
"Dia nilaza tamin'ny mpanjaka ny fitambaran'isan'ireo lehilahy vonona hiady i Joaba"
Io dia manondro ny fokon'Israely avaratra.
"valo hetsy...dimy hetsy"
Io sarinteny io dia manondro ireo lehilahy izay vonona hiady ao amin'ny tafika.
Io dia manondro ny fokon'i Joda atsimo.
Ny hoe "fo" eto dia sarintenin'ny fihetsem-po sy feon'ny fieritreretan'i Davida. DH: "Nahatsapa-tena ho meloka i Davida"
Manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" i Davida. Io dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona manam-pahefana lehibe kokoa.
Io dia fomba fiteny izay midika fa niteny i Yaveh. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 7:3. DH: "Niteny ny hafany i Yaveh"
Eto ny hoe "teny" dia manambara ny hafatr'i Yaveh. DH: "ny hafatr'i Yaveh"
Io dia midika fa i Gada no mpaminany ofisialy amin'ny lapan'ny mpanjaka.
"Anaty fikorontanana be aho"
Eto ny hoe "tanana'' dia manondro ny fahefana sy fifehezana. DH: "Aoka i Yaveh fa tsy ny olona no hanafay antsika"
Io dia fotoana nanapahan'Andriamanitra hevitra hanatsaharana ny areti-mandringana.
"70.000"
Eto ny fanononana ny tanànan'i Dana any amin'ny farany avaratra sy ny tanànan'i Beriseba any amin'ny farany atsimo dia midika hoe ny firenen'i Israely manontolo.
Eto ny sarinteny hoe "tanana" dia midika hoe ny herin'ilay anjely. DH: "efa andeha hamotika ny vahoakan'i Jerosalema ilay anjely"
Izany dia midika fa natsahatr'i Yaveh ny ratsy izay nasiany nataon'ny anjely. DH: "Nahatsapa nalahelo momba ny ratsy i Yaveh"
Ny sarinteny hoe "tanana'' dia midika hoe ny herin'ilay anjely. DH: "Aza manisy ratsy azy ireo intsony"
Io dia anaran-dehilahy.
Ny famoloana dia velaran-tany mafy, fisaka izay hanasarahana ny vary azo hohanina amin'ny akofa.
Ireo andianteny ireo dia midika zavatra iray ihany ary natambatra mba ho fanasongadinana. DH: "Efa nanota indrindra aho"
Mampiasa io fanontaniana io i Davida ary mampitahy ny vahoaka amin'ny ondry mba hanindriana fa tsy nanao zavatra tsy nety izy ireo. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Tsy nanao zavatra tsy nety ireo vahoaka tsotra ireo."
Eto ny sarinteny hoe "tanana" dia manondro ny fahefana. DH: "Mba izaho re no sazio"
Nampiseho fanajana be izy ary nanome voninahitra ny mpanjaka.
DH: "mba hanalan'i Yaveh izao areti-mandringana izao amin'ny vahoaka"
Ny andianteny hoe "eo imasonao" dia manambara ny hevitr'i Davida. DH: "Ataovy amin'izany izay heverinao fa tsara"
takelaka mavesatra nampiasaina mba hanasarahana ny voam-bary amin'ny ambin'ny vary.
DH: "Hanolotra...zavatra izay nandoavako vola ihany aho"
"sekely 50". Ny sekely iray dia 11 grama.
Eto ny sarinteny hoe "tany" dia midika hoe vahoakan'ny Israely. DH: "ho an'ny vahoakan'ny Israely"
"nampifarana ny areti-mandringana"
1 Rehefa tena antitra i Davida Mpanjaka, dia norakofan'izy ireo tamin'ny bodofotsy izy, kanefa tsy nety nahazo hafanana. 2 Ka hoy ireo mpanompony taminy: "Aoka isika hitady tovovavy virijiny ho an'ny mpanjaka tompontsika. Aoka izy hanompo ny mpanjaka sy hikarakara azy. Aoka izy handry eo an-tsandriny mba hanafana ny mpanjaka tompontsika." 3 Dia nitady zazavavy tsara tarehy eran'ny fari-tanin'Israely izy ireo. Nahita an'i Abisaga Sonemita izy ireo ka nitondra azy tany amin'ny mpanjaka. 4 Tena tsara tarehy tokoa ilay zazavavy. Nanompo ny mpanjaka sy nikarakara azy izy, nefa tsy niray ara-nofo taminy ny mpanjaka. 5 Tamin'izany fotoana izany, i Adonia zanaka lahin'i Hagita dia nanandratra ny tenany, nanao hoe: "Izaho no ho mpanjaka." Ka nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niaraka tamin'ny dimampolo lahy mba handeha hialoha lalana azy izy. 6 Ny rainy dia tsy mbola nanakorotan-tsaina azy, nanao hoe: "Nahoana ianao no nanao izao na izao?" I Adonia dia lehilahy tena tsara tarehy, teraka nanarakaraka an'i Absaloma. 7 Nifampiresaka tamin'i Joaba zanak'i Zeroia sy tamin'i Abiatara mpisorona izy. Nanaraka an'i Adonia izy ireo ka nanampy azy. 8 Fa Zadoka mpisorona, sy Benaia zanak'i Joiada, sy Natana mpaminany, Simey, Rey, ary ny lehilahy mahery izay an'i Davida kosa dia tsy mba nanaraka an'i Adonia. 9 Ary Adonia nanao sorona ondry aman'osy, omby ary zanak'omby mifahy teo akaikin'ny vaton'i Zoheleta, izay eo anilan'i En-rogela. Nasainy avokoa ny rahalahiny rehetra, ireo zanaka lahin'ny mpanjaka, ary ny lehilahin'i Joda rehetra, sy ireo mpanompon'ny mpanjaka. 10 Saingy tsy nanasa an'i Natana mpaminany, sy Benaia ary ireo lehilahy mahery, na i Solomona rahalahiny izy. 11 Ary Natana niteny tamin'i Batseba renin'i Solomona, nanao hoe: "Mbola tsy renao ve fa lasa mpanjaka i Adonia zanaka lahin'i Hagita, ary tsy mahafantatra izany i Davida tompontsika? 12 Noho izany dia avelao aho hanoro hevitra anao izao, mba hamonjenao ny ainao sy ny ain'i Solomona zanaka lahinao. 13 Mandehana mankany amin'i Davida mpanjaka; lazao aminy hoe: 'Ry mpanjaka tompoko, moa ve ianao tsy nianiana tamin'ny mpanomponao, nanao hoe: "Azo antoka tokoa fa i Solomona zanakao lahy no hanjaka handimby ahy, ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako izy?" Koa nahoana no Adonia no manjaka?' 14 Raha mbola miresaka amin'ny mpanjaka eny ianao, dia ho avy ao aorianao aho ary hanamafy ireo teninao." 15 Ka nankao amin'ny efitranon'ny mpanjaka i Batseba. Efa tena antitra ny mpanjaka, ary Abisaga Sonemita no nanompo ny mpanjaka. 16 Nanondrika ny tenany sy nandohalika teo anatrehan'ny mpanjaka i Batseba. Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Inona no irianao?" 17 Dia hoy izy taminy: "Ry Tompoko, ianao nianiana tamin'ny mpanomponao tamin'ny alalan'i Yaveh Andriamanitrao, nilaza hoe: 'Azo antoka tokoa fa i Solomona zanaka lahinao no hanjaka handimby ahy, ary hipetraka eto amin'ny seza fiandrianako izy.' 18 Ankehitriny, indro, Adonia no mpanjaka, ary ianao, ry mpanjaka tompoko, dia tsy mahafantatra izany. 19 Nanao sorona omby, zanak'omby mifahy, sy ondry aman'osy maro dia maro izy, ary nanasa ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra, Abiatara mpisorona, ary Joaba kapitenin'ny tafika, kanefa tsy nanasa an'i Solomona mpanomponao izy. 20 Fa raha ny aminao, ry mpanjaka tompoko, ny mason'ny Israely rehetra dia eo aminao, miandry anao mba hilaza amin'izy ireo hoe iza no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana handimby anao, ry tompoko. 21 Fa raha tsy izany, dia heverina ho tahaka ny mpanao meloka izaho sy Solomona zanako, rehefa hodimandry miaraka amin'ireo razany ny mpanjaka tompoko." 22 Ary raha mbola niresaka tamin'ny mpanjaka izy, dia niditra i Natana mpaminany. 23 Ireo mpanompo niteny tamin'ny mpanjaka hoe: "Io i Natana mpaminany." Rehefa nandroso teo anoloan'ny mpanjaka izy, dia nampiankohoka ny tenany teo anatrehan'ny mpanjaka no sady nihohoka tamin'ny tany ny tavany. 24 Hoy i Natana: "Ry mpanjaka tompoko, nilaza ve ianao hoe: 'I Adonia no hanjaka handimby ahy, ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako izy?' 25 Satria nandeha nidina izy androany ary nanao sorona omby, sy zanak'omby mifahy, ary ondry aman'osy maro dia maro, sy nanasa ny zanaky ny mpanjaka rehetra, ireo kapitenin'ny tafika, ary Abiatara mpisorona. Mihinana sy misotro eo anoloany izy ireo, ka miteny hoe: "Ho ela velona anie i Adonia mpanjaka!" 26 Fa izaho, mpanomponao, sy Zadoka mpisorona, Benaia zanaka lahin'i Joiada, ary Solomona mpanomponao, dia tsy nasainy izahay. 27 Dia nanao izany ka tsy niteny taminay, mpanomponao, izay tokony hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana handimby azy ve ny mpanjaka tompoko?" 28 Dia namaly i Davida mpanjaka ka nanao hoe: "Antsoy hiverina eto amiko i Batseba." Dia niditra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ary nitsangana teo anoloan'ny mpanjaka. 29 Nanao voady ny mpanjaka ka nanao hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, izay nanafaka ahy tamin'ny olana rehetra, 30 tahaka ny nanaovako voady taminao tamin'ny alalan'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, manao hoe: "Hanjaka handimby ahy i Solomona zanakao, ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako eo amin'ny toerako izy,' dia ho ataoko izany androany." 31 Dia nanondrika ny tavany tamin'ny tany i Batseba, ary nampiankohoka ny tenany teo anoloan'ny mpanjaka nanao hoe: "Ho velona mandrakizay anie Davida mpanjaka tompoko!" 32 Hoy i Davida mpanjaka hoe: "Antsoy hankaty amiko i Zadoka mpisorona, sy Natana mpaminany, ary Benaia zanak'i Joiada." Ka nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo. 33 Dia hoy ny mpanjaka tamin'izy ireo hoe: "Ento miaraka aminareo ny mpanompon'ny tomponareo, ary ampitaingeno ny apondrako i Solomona zanako lahy ka ento midina any Gihona izy. 34 Aoka i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy ho mpanjaka eo amin'ny Israely ary hitsoka ny trompetra ka anao hoe: "Ho ela velona anie i Solomona Mpanjaka!" 35 Dia hiakatra hanaraka azy ianareo, ka hiditra sy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako izy; satria ho mpanjaka eo amin'ny toerako izy. Izaho efa nanendry azy ho mpitondra eo amin'ny Israely sy Joda." 36 Dia namaly ny mpanjaka i Benaia zanak'i Joiada, ka nanao hoe: "Ho tanteraka anie izany! Ho hamafisin'Yaveh, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko, anie izany. 37 Tahaka ny nombàn'i Yaveh mpanjaka tompoko anie, no hanombàny an'i Solomona koa, ary hataony lehibe noho ny seza fiandrianan'i Davida mpanjaka tompoko ny seza fiandrianany." 38 Koa lasa nidina niaraka tamin'i Solomona nitaingina ny apondran'i Davida mpanjaka i Zadoka mpisorona, Natana mpaminany, Benaia zanak'i Joiada, sy ireo Keretita, ary ireo Peletita, nentin'izy ireo nidina tany Gihona izy. 39 Naka ny tandroka misy menaka avy tao amin'ny lay i Zadoka mpisorona ary nanosotra an'i Solomona. Dia notsofin'izy ireo ny trompetra, ary hoy ny olona rehetra hoe: "Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!" 40 Avy eo dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitsoka sodina ny vahoaka ary niravoravo tamin'ny fifaliana lehibe, ka nihozongozona nohon'ny feon'izy ireo ny tany. 41 Ary i Adonia sy ireo vahiny rehetra izay niaraka taminy nandre izany rehefa avy nihinana izy ireo. Rehefa nandre ny feon'ny trompetra i Joaba, dia hoy izy hoe: "Maninona no misy tabataba eto amin'ny tanàna?" 42 Raha mbola niteny izy, dia tonga i Jonatana zanak'i Abiatara mpisorona. Hoy i Adonia hoe: "Mandrosoa, fa lehilahy mendrika ianao ary mitondra vaovao mahafaly." 43 Dia namaly i Jonatana ka niteny tamin'i Adonia hoe: "Davida mpanjaka tompontsika efa nanao an'i Solomona ho mpanjaka, 44 ary ny mpanjaka efa naniraka an'i Zadoka mpisorona, Natana mpaminany, sy Benaia zanak'i Joiada, ary ireo Keretita sy ireo Peletita. Efa nampitaingenan'izy ireo ny ampondran'ny mpanjaka i Solomona. 45 Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany dia efa nanosotra azy ho mpanjaka tany Gihona, ary niakatra tamim-pifaliana avy tany, hany ka anaty tabataba ny tanàna. Izany no tabataba renao. 46 Ary mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana ihany koa i Solomona. 47 Fanampin'izany, dia tonga nitsodrano an'i Davida mpanjaka tompontsika ny mpanompon'ny mpanjaka, nanao hoe: "Hataon'Andriamanitrao tsara noho ny anaranao anie ny anaran'i Solomona, ary hataony lehibe noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany.' Dia niankohoka teo am-pandriana ny mpanjaka. 48 Dia hoy koa ny mpanjaka hoe: "Deraina anie Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely, izay nanome olona iray hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako amin'izao andro izao, ka afaka mahita izany ny masoko."' 49 Dia raiki-tahotra ireo vahinin'i Adonia rehetra. Dia nitsangana izy ireo ka samy nandeha tamin'ny lalany avy. 50 Ary i Adonia dia natahotra an'i Solomona ka nitsangana, nandeha, ary nitazona ny tandroky ny alitara. 51 Avy eo dia nambara tamin'i Solomona izany, nanao hoe: "Indro, matahotra an'i Solomona mpanjaka i Adonia, satria nihazona ireo tandroky ny alitara izy, nanao hoe, 'Aoka i Solomona mpanjaka hianiana amiko mialoha fa tsy hamono ny mpanompony amin'ny sabatra izy.'" 52 Dia hoy i Solomona: "Raha haneho ny tenany ho lehilahy mendrika izy, na dia singam-bolony iray aza tsy ho latsaka amin'ny tany, fa raha faharatsiana kosa no hita ao aminy, dia ho faty izy." 53 Ka dia naniraka olona i Solomona mpanjaka, izay nitondra an'i Adonia nidina avy teo amin'ny alitara. Dia avy izy ka nandohalika teo amin'i Solomona Mpanjaka, ary hoy i Solomona taminy: "Mandehana any an-tranonao."
Nametaka botofotsy maro teo amin'i Davida mpanjaka izy hanandramana hamanana azy.
"Dia nitady ny mpanompon'ny mpanjaka"
D.H: "nanerana ny tanin'Isrely rehetra"
Ity dia anaram-behivavy.
Olona iray avy any amin'ny tanànan'i Somena.
"Davida mpanjaka"
Hagita dia vadin'i Davida.
"nanomboka nirehareha"
Ireo dia lehilahy izay nitondra kalesy napetrakin'ny mpitaingin-tsoavaly.
Ireo lehilahy ireo dia handeha hialoha lalana ireo kalesy mba hanazava ny lalana ho azy ireo ary hiaro azy ireo.
"tsy mbola nampisy olnana azy. Izy tsy mbola nanontany azy" na "tsy mbola te hampatezitra azy, ka tsy mbola nanontany azy"
Ity dia fanontaniana fampisainana fa ny ray dia hangataka hifehy ny zanany. D.H: "Tokony ho fantatrao izay ratsy efa nataonao."
Davida no ray na i Absaloma sy Abonia mitambatra, saingy reny samihafa. Teraka Absaloma, dia aveo Abonia.
"Adonia nihady hevitra ny drafiny tamin'ny Joaba."
Ireo dia anaran-dehilahy.
"nanohana sy nanampy an'i Adonia" na "nampanantena ny hanohana sy hanampy an'i Adonia"
"ireo zanak'omby izay nomena sakafo feno mba ho lasa matavy" na "omby vavy tanora izay nomanina manokana ho an'ny sorona"
Izany dia faritry ny vatao akaikin'ny Jerosalema.
Ity dia anaran'ny lohataona izay nahazahoan'ny olona rano.
Ity dia amin'ny ankapobeny.
Ireo andian-teny roa ireo dia maneho olona mitovy.
ireo andian-teny roa ireo dia midika olona mitovy.
Ny tanjona amin'ity fanontaniana ity dia mampiditra ny vavao izay tian'i Natana ho lazaina amin'i Batseba. D.H: "Tsy renao mitovy amin'ny... izany." na "Efa renao ve... izany?"
"fa Hagita zanaka lahin'i Adonia dia manandrana ny ho tonga mpanjaka"
Renin'i Adonia ary vadin'i Davida.
Natana mpaminany dia miresaka amin'i Batseba hatrany.
Ny tanjona amin'ity fanontaniana ity dia hampatsiahy an'i Davida izay nampanantenainy tamin'i Batseba. D.H: "ianao dia nianiana tamin'ny mpanomponao... sez fiandrianana."
Batseba miresaka amin'ny Davida fa izy dia olon-kafa hampiseho izay hanajany an'i Davida. D.H: "amiko, ny mpanomponao"
Fipetrahana eo ambony seza fiandrianana dia sarin-teny amin'ny maha mpanjaka. D.H: "ho mpanjaka tsotra tahaka ahy izy"
Batseba dia nampiasa fanontaniana mba hitandreman'i Davida. D.H: "Koa dia, tsy tokony manjaka i Adonia."
"lazao azy fa izay efa nolazainao dia marina."
"efitrano izay natorian'ny mpanjaka"
Ity dia virjiny tanora izay nentin'ny mpanompon'i Davida mpanjaka hikarakara azy.
"niondrika nanakaiky ny tany teo anoloan'ny mpanjaka"
"Inona no azoko atao anao?"
Ny endriky ny teny "ianao" eto dia hentitra. D.H: "inao tenanao no nianiana tamin'ny"
Batseba dia miresaka fa izy dia olon-kafa nampiseho an'i Davida izay nanajany azy. D.H: "ny amiko, ny mpanomponao"
Ity dia anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny olony tao amin'ny testamenta taloha.
Fipetrahana eo ambony seza fiandrihanana dia sarin-teny amin'ny maha mpanjaka. D.H: "Izy dia ho mpanjaka tsotra toa ahy."
Batseba manohy resaka amin'i Davida mpanjaka.
"mitandrema amin'izay nolazaiko anao"
"omby, zanak'omby mifahy, ary ondry maro"
Batseba manohy resaka amin'i Davida mpanjaka.
Eto ny "maso" dia midika ireo olona. Izany dia amin'ny ankapobeny. D.H: "ny vahoakan'Israely rehetra dia mijery anao"
Fipetrahana eo ambony seza fiandrianana dia sarin-teny amin'ny maha mpanjaka. D.H: "ho lasa mpanjaka"
Batseba miresaka amin'i Davida mpanjaka toy ny niresahany mahakasika azy nampisehoana ny nanajany azy. D.H: "rehefa modimandry miaraka amin'ny razanao ianao"
Ity dia fomba mihaja hilazàna hoe: "maty."
D.H: "ny mpanjaka vaovao dia mihevitra ahy sy ny zanako lahy ho jiolahy"
Natana mpaminany dia mirseaka amin'i Davida mpanjaka.
"niondrika ambany dia ambany"
Natana mpaminany dia mirseaka amin'i Davida mpanjaka.
D.H: "nilaza ve ianao fa i Adonia dia hanjaka handimby anao, ary hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao?"
D.H: "Izy dia ho mpanjaka tsotra toa ahy."
Adonia dia mety nipetraka teo amin'ny latabatra iray izay hafahany mijery ireo izay efa nanasa azy araka ny ninanany sy nisotroan'izy ireo. Ny hevi-dehibe dia ny nametahan'ny olon'i Natana anarana tamin'i Adonia ka niarahan'izy ireo nankalaza. D.H: "mihinana sy misotro miaraka aminy" na "mihinana sy misotro izay afahany mijery azy ireo"
Natana mpaminany dia mirseaka amin'i Davida mpanjaka.
Ity dia fomba iray amin'ny fanehoana haja amin'ny mpanjaka. D.H: "Ianao ve ry mpanjaka tompoko, nanao izany tsy nilaza taminay, sy ireo mpanomponao, hoe iza no tokony hipetraka eo amin'ny sez fiandrianana handimby anao?"
Fipetrahana eo amin'ny seza fiandrianana dia sarin-teny iray amin'ny maha mpanjaka. D.H: "izay ho mpanjaka handimby azy"
Davida mpanjaka manao fampanantenana amin'i Batseba.
"nankeo alohan'ny mpanjaka" na "niverina tamin'ny mpanjaka"
"nanao famapanantenana manetriketrika"
Fipetrahana eo amin'ny seza fiandrianana dia sarin-teny iray amin'ny maha mpanjaka. D.H: "haka ny toerako izy ary ho mpanjaka tsotra toa ahy"
Batseba nahalala ny tsy hahavelona an'i Davida mandrakizay.
Davida mpanjaka nanosotra an'i Solomona mpanjaka.
Davida dia niterny irery toy izay noresahiny tamin'ny olon-kafa ka i Zadoka, sy Natana, ary Benaia dia hahatsiaro fa i Davida dia mbola mpanajaka. D.H: "ireo mpanompoko"
Ity dia anarana loharano.
Davida mpanjaka dia manohy miresaka ho an'i Solomona anisan'iray hahalasa mpanjaka an'i Soloma.
Ny teny "mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana" dia nampiasaina ho sarin-teny amin'ny maha mpanjaka.
Manaiky izy ireo ary anao izay lazain'i Davida mpanjaka.
Benaia dia miresaka amin'i Davida mpanjaka toy izay firesahany tamin'ny olon-kafa hanehoana fa izy dia manaja an'i Davida mpanjaka. D.H: "Ry tompoko sy mpanjakako, hanamafy anie Yaveh Andriamanitrao"
Benaia dia miresaka amin'i Davida mpanjaka toy izay firesahany tamin'ny olon-kafa hanehoana fa izy dia manaja an'i Davida mpanjaka. D.H: "homba anao anie, ny mpanjaka tompoko"
Ny teny "seza fiandrianana" dia sarin-teny iray na 1) ny olona izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana. D.H: "manao ny iray lehibe izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana mihoatra an'i Davida mpanjaka tompoko" na 2) fanjakana eo amin'ireo izay mipetraka eo amin'ny fitsipikin'ny seza fiandrianana. D.H: "manao ny fanjakana lehibe mihoatra ny fanjakan'i Davida mpanjaka tompoko"
Benaia dia miresaka amin'i Davida mpanjaka toy izay firesahany tamin'ny olon-kafa hanehoana fa izy dia manaja an'i Davida mpanjaka. D.H: "ny seza fiandriananao, ry Davida mpanjaka tompoko."
Ny vahoakan'Israely manosotra an'i Solomona ho mpanjaka eo amin'Israely.
Ireo dia anarana vondron'olona.
Ity dia anarana loharano, ilay rano madio mivoaka avy amin'ny tany.
Ity dia midika ny nakan'ireo mpisorona ny tandrokin'ny biby miavaka misy menaka izay notahirizina tao amin'ny lain'i Yaveh miavaka.
Mety midika hoe 1) ny tandrokin'ny biby feno menaka oliva na 2) fitoeran-javatra izay nanoloana ny tandroka tena izy, fa mbola nantsoin'ny olona hatrany hoe tandroka. D.H: "naka ny fitoera-menaka."
Ity dia amin'ny ankapobeny.
Adonia dia nahare ny tabataba mafy ary niandry ireo vaovao.
Adonia dia mianatra fa Solomona no mpanajaka vaovao.
Ireo dia anarana vondron'olona.
Jonatana dia mitohy miresaka amin'i Adonia mahakasika an'i Solomona.
Mety midika hoe 1) ireo teny ireo dia sarinteny amin'ny maha mpanjaka. D.H: "mpanjaka izao" na 2) Solomona dia mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana.
Mety midika hoe 1) ireo dia teny sarinteny amin'ny maha mpanjaka. D.H: "olona iray ho lasa mpanjaka toa ahy anio" na 2) Solomona mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana.
Lasa raiki-tahotra tamin'i Solomona mpanjaka i Adonia.
Mety misy dikany hafa "nanamboka niasa faingana"
Ny "tandrokin'ny alitara" dia manondro ny hery sy ny fiarovan'i Yaveh, fa satria Adonia dia nandeha tany amin'ny faritry ny lay ara-bakiteny mba hihazona ireo tandroka.
Mety misy dikany hafa hoe "Adonia ... nandeha faingana"
Ireo mpanompo miresaka amin'i Solomona mpanjaka toy ny firesan'izy ireo amin'ny olon-kafa hanehoana fa nanaja an'i Solomona mpanjaka izy ireo. D.H: "dia matahotra anao, ry Solomona mpanjaka"
Ireo mpisoroana dia mireska amin'i Solomona mpanjaka toy ny firesahan'izy ireo amin'ny olon-kafa ka hieritreritra ny olona fa manaja an'i Solomona mpanjaka izy. D.H: "tsy hamono ahy izy."
Solomona dia mamindra fo ny fiainan'i Adonia.
Ity dia fanitarana hilazàna fa i Solomona dia hampilamina an'i Adonia. D.H: "na dia singam-bolo iray amin'ny lohany aza no hilatsaka" na "hampilamina azy aho"
Ny anarana "haratsiam-panahy" dia azo lazaina ho matoanteny. Izany dia voalaza toy ny zavatra izay hita ao amin'ny fitoeran-javatra iray. D.H: "izy dia manao izay ratsy"
1 Rehefa akaiky ny andro nahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zanany izy, nanao hoe: 2 "Handeha amin'ny lalan'ny tany rehetra aho. Matanjaha, noho izany, ary asehoy fa lehilahy ny tenanao. 3 Tàno ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao izay mandeha amin'ny lalany, ankatoavy ireo lalàny, ireo fanapaha-keviny, ary ireo didim-panekeny, mitandrema amin'izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, mba hambinina amin'izay rehetra ataonao ianao, na aiza na aiza alehanao, 4 mba hahafahan'i Yaveh manatanteraka ny teniny izay nolazainy mikasika ahy, manao hoe: 'Raha mijery tsara ny fitondran-tenany ireo zanakao lahy, ary handeha eo alohako am-pitokiana miaraka amin'ny fo sy fanahin'izy ireo manontolo, dia tsy hitsahatra ny hanana lehilahy eo amin'ny seza fiandrianan'Israely ianao.' 5 Ianao ihany koa dia mahafantatra izay nataon'i Joaba zanak'i Zeroia tamiko, ary izay nataony tamin'ny mpifehy roa ny tafik'Israely, dia tamin'i Abnera zanaka lahin'i Nera, ary tamin'i Amasa zanaka lahin'i Jetera, izay novonoiny. Nozarainy tam-piadanana ny ràn'ady ary napetany teo amin'ny fehin-kibo nanodidina ny valahiny sy tamin'ny kapa teo an-tongony ny ràn'ady. 6 Mifanaraha amin'i Joaba amin'ny alalan'ny fahendrena efa nianaranao, saingy aza avela hidina any amin'ny fasana am-piadanana ilay volo fotsiny. 7 Na dia izany aza, manehoa hatsaram-panahy amin'ireo zanaka lahin'i Barzilay Giledita, ary avelao ho isan'ireo izay hihinana eo an-databatrao izy ireo, fa tonga taty amiko izy ireo rehefa nandositra avy tany amin'i Absaloma rahalahinao aho. 8 Indro, efa miaraka aminao i Simey zanaka lahin'i Gera, ilay Benjamita avy any Bahorima, izay nanozona ahy tamin'ny ozona mahery vaika tamin'ny andro nandehanako tany Mahanaima. Dia nidina hihaona tamiko tany Jordana i Simey, ary nianiana taminy tamin'ny alalan'i Yaveh aho, nanao hoe: 'Tsy hamono anao amin'ny sabatra aho.' 9 Koa ankehitriny aza avela ho afaka amin'ny sazy izy. Lehilahy hendry ianao, ary ho fantatrao izay tokony ho ataonao aminy. Ho entinao midina any amin'ny fasana miaraka amin'ny rà ny volo fotsiny." 10 Avy eo i Davida dia nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny ary nalevina tao amin'ny tanànan'i Davida. 11 Efapolo taona teo ireo fotoana nanjakan'i Davida teo amin'ireo Israely. 12 Nanjaka nandritra ny fito taona tany Hebrona izy ary tany Jerosalema nandritra ny telopolo taon. Ary nipetraka teo an-tseza fiandrianan'i Davida rainy i Solomona, ary tafapetraka tsara ny fitondràny. 13 Dia tonga tany amin'i Batseba renin'i Solomona i Adonia zanaka lahin'i Hagita. Hoy izy hoe: "Tonga mba hihavana ve ianao?" Namaly izy hoe: "Hihavana." 14 Dia hoy izy hoe: "Misy zavatra ho lazaiko anao." Ka namaly izy hoe: "Lazao." 15 Hoy Adonia hoe: "Fantatrao fa ahy ny fanjakana, ary ny Israely rehetra dia efa nanantena ahy ho mpanjaka. Saingy niova ny zavatra rehetra, ary natolotra ho an'ny rahalahiko ny fanjakana, fa efa azy avy amin'i Yaveh izany. 16 Ankehitriny dia manana fangatahana iray aminao aho, ary aza lavina aho." Hoy Batseba taminy hoe: "Lazao" 17 Dia hoy izy: "Resaho re Solomona mpanjaka, fa tsy handao anao izy, mba hahafahany manome ahy an'i Abisaga ilay Sonemita mba ho vadiko." 18 Hoy i Batseba: "Eny ary, hiresaka amin'ny mpanjaka aho." 19 Noho izany dia nandeha tany amin'i Solomona mpanjaka i Batseba mba hiresaka aminy ho an'i Adonia. Dia nitsangana ny mpanjaka hihaona taminy ary niondrika teo aminy. Avy eo dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany izy ary nanana seza fiandrianana nentina ho an'ny renin'ny mpanjaka. Dia nipetraka avy eo an-kavanany izy. 20 Ary hoy izy hoe: "Mba te-hanao fangatahana kely aminao aho, satria tsy handà ahy ianao." Dia namaly azy ny mpanjaka hoe: "Angataho, ry reniko, fa tsy handà anao aho." 21 Dia hoy izy: "Aleo i Abisaga ilay Sonemita mba ho atolotra an'i Adonia rahalahinao ho vadiny." 22 Namaly i Solomona mpanjaka ary nilaza tamin'ny reniny hoe: "Nahoana ianao no mangataka an'i Abisaga Sonemita ho an'i Adonia? Nahoana ianao no tsy nangataka ny fanjakana ho azy ihany koa, satria izy no lahimatoa __ ho azy, ho an'i Abiatara mpisorona, ary ho an'i Joaba zanaka lahin'i Zeroia ve?" 23 Avy eo dia nianiana tamin'i Yaveh i Solomona mpanjaka, nanao hoe: "Enga anie Andriamanitra hanao izany amiko, ary bebe kokoa, raha tsy nanohitra ny ainy tamin'izany teny izany i Adonia. 24 Ka noho izany raha mbola velona koa i Yaveh, izay nametraka ahy sy nanao ahy teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida raiko, ary efa nanamboatra trano ho ahy araka ny nampanantenainy tamiko, dia azo antoka fa hovonoina i Adonia anio." 25 Ka dia naniraka an'i Benaia zanak'i Joiada i Solomona mpanjaka, ary nahita an'i Adonia i Benaia ka namono azy. 26 Avy eo dia hoy Abiatara mpisorona tamin'ny mpanjaka hoe: "Mandehana any Anatota, any amin'ireo sahanao. Fa mendrika ny ho faty ianao, saingy tsy hamela anao ho faty amin'izao fotoana izao aho, satria nitondra ny fiaran'i Yaveh Tompo teo anatrehan'i Davida raiko ianao ary nijaly tamin'ny fomba rehetra nijalian'ny raiko." [1]27 Ka noroasin'i Solomona tsy ho mpisoron'i Yaveh i Abiatara, ka mety hanatanteraka ireo tenin'i Yaveh izy, araka izay efa noresahiny momba ny ankohonan'i Ely tao Silo. 28 Tonga tany amin'i Joaba ireo vaovao, fa Joaba nanohana an'i Adonia, fa tsy nanohana an'i Absaloma. Ka nandositra tany amin'ny trano lain'i Yaveh i Joaba ary nihazona ny tandroky ny alitara. 29 Nolazaina tamin'i Solomona Mpanjaka fa i Joaba dia nandositra tany amin'ny trano lain'i Yaveh ary eo anilan'ny alitara ankehitriny. Avy eo dia naniraka an'i Benaia zanak'i Jehodia i Solomona, nanao hoe: "Mandehana, vonoy izy." 30 Ary tonga tany amin'ny trano lain'i Yaveh i Benaia ary nilaza taminy hoe: "Hoy ny mpanjaka hoe: 'Mivoaha."' Namaly i Joaba hoe: "Tsia, ho faty eto aho." Ka dia niverina tany amin'ny mpanjaka i Benaia, nanao hoe: "Nilaza i Joaba fa te-ho faty ao amin'ny alitara hono izy." 31 Dia hoy ny mpanjaka taminy: "Ataovy araka izay nolazainy. Vonoy izy ary aleveno mba hafahanao miala amiko sy amin'ny taranaky ny raiko ny rà izay nalatsak'i Joaba tamin'ny tsy misy antony. 32 Enga anie i Yaveh hamerina ny ràny ho eo an-dohany, satria nanafika lehilahy roa feno fahamarinana sy tsara noho ny tenany izy ary namono azy ireo tamin'ny sabatra, dia i Abnera zanaka lahin'i Nera, filohan'ny tafik'Israely, sy Amasa zanaka lahin'i Jetera, filohan'ny tafik'i Joda, ary tsy nahafantatra izany i Davida raiko. 33 Koa enga anie ny ràn'izy ireo hiverina eny an-dohan'i Joaba sy eny an-dohan'ireo taranany mandrakizay. Fa amin'i Davida sy ireo taranany, amin'ny fianakaviany, ary amin'ny seza fiandrianany, dia enga anie hisy fiadanana mandrakizay avy amin'i Yaveh." 34 Avy eo i Benaia zanak'i Jehodia niakatra ary nanafika an'i Joaba ka namono azy. Dia nalevina tany amin'ny tranony tany an'efitra ihany izy. 35 Ny mpanjaka dia nametraka an'i Benaia zanak'i Joiada teo amin'ny tafika hisolo ny toerany, ary nametraka an'i Zadoka mpisorona tany amin'ny toeran'i Abiatara. 36 Avy eo ny mpanjaka dia naniraka ary nampiantso an'i Simey, ary niteny taminy hoe: "Manorena trano iray any Jerosalema ianao ary mitoera any, ka aza mivoaka ao amin'izany mankany amin'ny toeran-kafa. 37 Fa amin'ny andro izay hivoahanao, sy handalovanao eny amin'ny Lohasahan-driaka Kidrona, dia fantaro marina fa ho vonoina tokoa ianao. Ho eo amin'ny lohanao ny rànao." 38 Ka hoy I Simey tamin'ny mpanjaka hoe: "Tsara izany lazainao izany. Araka izay nolazain'ny mpanjaka tompoko, dia hataonao mpanomponao." Dia nitoetra tany Jerosalema nandritra ny andro maromaro i Simey. 39 Fa nony tapitra ny telo taona, dia nitsoaka tany amin'i Akisa zanak'i Maka mpanjakan'i Gata ireo mpanompo roa an'i Simey. Ka niresaka tamin'i Simey izy ireo, nanao hoe: "Indro, ireo mpanomponao dia any Gata." 40 Dia nitsangana i Simey, ary nanisy lasely ny borikiny ka nandeha tany amin'i Akisa tany Gata mba hitady ireo mpanompony. Dia nandeha izy ary nentiny niverina avy tany Gata ireo mpanompony. 41 Rehefa nilaza i Solomona fa i Simey dia nandeha avy tany Jerosalema ho any Gata ary efa niverina, 42 dia naniraka sy nampiantso an'i Simey ny mpanjaka, ary nanao taminy hoe: "Tsy efa nampianiana anao tamin'i Yaveh ve aho ary nijoro vavolombelona taminao, nanao hoe: 'Fantaro tanteraka izay andro hivoahanao sy handehananao any amin'ny toeran-kafa, fa ho faty tokoa ianao'? Avy eo dia hoy ianao tamiko hoe: 'Tsara izany lazainao izany.' 43 Nahoana ary ianao no tsy mitàna ny fianiananao tamin'i Yaveh sy ny baiko izay nomeko anao?" 44 Hoy koa ny mpanjaka tamin'i Simey: "Fantatrao ao am-ponao ireo haratsiam-panahy rehetra izay nataonao tamin'i Davida raiko. Noho izany dia ho averin'i Yaveh eo ambony lohanao ny haratsiam-panahinao. 45 Fa ho tahiana i Solomona mpanjaka ary ny seza fiandrianan'i Davida dia hapetraka eo anatrehan'i Yaveh mandrakizay." 46 Avy eo ny mpanjaka nanome baiko tamin'i Benaia zanaka lahin'i Joiada. Dia nivoaka izy ary namono an'i Simey. Ka dia napetraka tsara teo an-tanan'i Solomona ny fitondràna.
Ity dia filazàna amin'ny fomba mihaja hoe: "dia ho faty aho."
Afaka fenoina ny teny halatsaka. D.H: "asehoy amin'ny olona rehetra fa lehilahy ianao" na "mitoera mba afahan'ny olona mijery fa lehilahy tsara ianao."
Fandehanana amin'ny lalana dia sarinteny ho an'ny lalam-piainan'ny olona. D.H: "miaina amin'ny lalana nodidiany"
"mahomby" na "manao tsara"
"manao ny zavatra rehetra nampanantenainy ho atao"
Yaveh dia miresaka amin'i Davida, ka ny teny hoe: "ianao" sy "ny anao" dia maneho an'i Davida.
Yaveh dia miresaka amin'i Davida, ka ny teny hoe "izaho" dia maneho an'i Yaveh.
Ny fomba fiteny hoe "amin'ny fo ... rehetra" dia midika hoe "tanteraka" sy "amin'ny fanahy ... rehetra" dia midika hoe "amin'ny nofo ... rehetra." Ireo andian-teny roa ireo midika mitovy. D.H: "amin'ny nofon'izy ireo rehetra" na "amin'ny herin'izy ireo rehetra"
Ny teny "seza fiandrianana" dia sarinteny amin'ny mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana. D.H: "ny taranakao dia tsy hitrahatra ny ho mpanjakan'Israely. D.H: "iray amin'ireo taranakao dia ho mpanjakan'Israely mandrakizay."
Davida mpanjaka dia miresaka amin'i Salomona ny fomba hitondrana an'Israely.
Davida dia maneho zavatra indroa mitovy. D.H: "izay nataon'i Joaba tamiko--dia izany, no nataony"
Mety midika hoe 1) "namono ireo lehilahy nandritry ny fotoam-pilaminana toy ny nomonoiny azy ireo tamin'ny ady" na 2) "nanao valifaty tamin'ireo lehilahy nandritry ny fotoam-pilaminana satria efa namono olona tamin'ny ady izy ireo"
Mety midika hoe 1) Nanakaiky feno tamin'ireo lehilahy Joaba rehefa namono azy ireo izy ka niparitaka teo amin'ny fehin-kibony sy teo am'in'ny kapany ny rà na 2) ny teny "rà" dia fomba itenena ny mpamono meloka, ary ny fehin-kibo sy ny kapa dia fomba itenena ny fahefan'i Joaba toy ny mpibaiko, koa dia milaza i Davida satria Davida mpamono meloka, ary tsy tokony ho mpifehy ny tafika izy. Na koa, hadika ara-bakiteny ny tsara indrindra.
"azo antoka fa maty tamin'ny fahafatesana mahatsiravina mialohan'ny fahanterana nitombo i Joaba."
Davida mpanjaka manohy miresaka amin'i Solomona ny fomba hitondrana an'Israely.
anaran-dehilahy
Ny latabatra dia sarinteny amin'ny trano amin'izay misy ny latabatra. D.H: "mandray azy ireo hihinana eo an-databatrao"
Davida mpanjaka manohy miresaka amin'i Solomona ny fomba hitondrana an'Israely.
anaran-dehilahy
taranak'i Benjamina
anaran-teorana
D.H: "azo antoka ny hanasaziana azy"
Ny rà dia fomba itenenana ny fahafatesana mahatsiravina, ary ny loha dia fibagoan-teny ho an'ny olona rehetra. D.H: "azo antoka fa maty amin'ny fahafatesana mahatsiravina izy"
Maty Davida ary mandray ny toerany ho mpanajaka vao an'Israely i Slomona.
Ny fahafatesan'i Davida dia voalaza toy ny hoe izy efa lavo. D.H: "maty"
D.H: "Davida ... ary nalevin'izy ireo izy"
"fotoana izay nanjakan'i Davida teo amin'Israely" na "nanjaka toe amin'Israely Davida"
Ny seza fiandrianana dia manambara ny fahefan'ny mpanjaka"
D.H: "nametraka tanteraka ny fitondran'i Solomona i Yaveh" na "Yaveh no nahatonga an'i Solomona handray fahefana tanteraka ny fanjakana."
Adonija dia ho avy hiresaka amin'i Batseba.
"tsy misy faniriana ny hahatonga ady"
Ity dia amin'ny ankapony.
"izay nandrasana hitranga ka tsy nitranga"
D.H: "Yaveh no nanome fahefana ho an'ny rahalahiko" na "lasa mpanjaka ny rahalahiko"
Adonija dia hizara ny fangatahany amin'i Batseba.
fandaozana olona dia sarinteny amin'ny fandàvana hijery olona, ka izay mivadika dia sarinteny amin'ny fandavàna hatao amin'izay olona mangataka. D.H: "aza mandà hanao izay angatahiko... tsy handao hanao izay hangatahinao izy."
Olona iray avy any amin'ny tanànan'i Somena.
Handeha any amin'i Solomona mpanjaka miaraka amin'ny fangatahan'i Adonia i Batseba.
"Nitsangana ny mpanjaka" avy eo amin'izay nipetrahany teo amin'ny seza fiandrianany.
D.H: "niresaka tamin'ny olona hitondra seza fiandrianana."
Batseba.
fandaozana olona dia sarinteny amin'ny fandàvana hijery olona, ka izay mivadika dia sarinteny amin'ny fandavàna hatao amin'izay olona mangataka. D.H: "aza mandà hanao izay angatahiko... tsy handao hanao izay hangatahinao aho"
D.H: "Mamela an'i Adonia ... hanambady an'i Abisaga ilay Somanita" na "Manolotra an'i Abisaga ilay Somanita amin'i Adonia ... ho vadiny"
Solomona mpanjaka manome ilay valiny amin'ny fangatahan'i Adonia.
Solomona mpanjaka dia tezitra tamin'ny fangatahan-dreniny. D.H: "Diso ianao raha mangataka ... Adonia! Izany dia mitovy araka ny fangatahana ny fanjakana ho azy ihany koa ... Zeroia!"
Ity dia fomba fiteny. D.H: "Andriamanitra dia hanana ny tsara rehetra hamonoana ahy__ary mety anao ny ratsy rehetra amiko__ raha tsy mamono an'i Adonia aho satria efa nanao izany fangatahana izany izy."
Solomona mpanjaka hamono an'i Adonia.
Ny teny "seza fiandrianana" dia maneho ny fahefan'i Solomona handidy izay efa nanome tamin'ny alalan'i Yaveh.
Eto ny "trano" dia maneho ireo taranaka izay nomen'i Yaveh tamin'i Solomona mpanjaka, ilay mitohy manjaka mandimby azy.
Solomona dia handroaka an'i Abiatara amin'ny maha mpisorona.
Abiatara dia nijaly niaraka tamin'i Davida nialoha ny naha lasa mpanjaka an'i Davida.
Ny teny "izy" dia maneho an'i Solomona mpanjaka.
Ny teny "izy" dia maneho an'i Yaveh.
Solomona mpanjaka dia Handidy an'i Benaia hamono an'i Joaba.
"ren'i Joaba izay nataon'i Solomona taorian'ny nahalasany mpanjaka."
Ireo tandroka tao amin'ny alitara dia manamarika ny herin'i Yaveh sy ny fiarovany.
D.H: "Ny olona dia nilaza tamin'i Solomona mpanjaka fa nandositra i Joaba"
Handeha hamono an'i Joaba i Benaia.
Eto ny teny "taranaka" dia midika ireo taranak'i Davida raha toa ka maneho heloka ny "rà". D.H: "aleveno izy ary esory amiko sy ny fianakaviako ny heloka ho an'i Joaba mpamono olona nikomy tamin'ny tsy antony" na "aleveno izy. Ataovy izay tsy hitazoman'i Yaveh ahy sy ny helokin'ny taranakin'ny raiko satria Joaba dia namono olona amin'ny tsy antony."
Solomona mpanjaka dia manazava ny antony tokony hahafaty an'i Joaba.
Ny teny "ny azy" dia maneho an'i Joaba. Ny "rà" dia sarinteny ho an'ny mpamono olona. Ary ny fomba fiteny hoe "rà naverina eo an-dohan'i" dia midika fa tokony ho heverina ho meloka ny mpamono olona. D.H: "Joaba dia namono olona, ary maniry an'i Yaveh mba hitazona azy meloka aho amin'izay efa nataony"
Ireo teny ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy fa Abnera sy Amasa dia lehilahy tsara mihoatra lavitra an'i Joaba.
Ny teny "rà" dia sarinteny amin'ny mpamono olona. Ary ny fomba fiteny hoe "rà miparitaka eny amin'ny loha dia midika heverinan'ny olona heloka ho an'ny mpamono olona. D.H: "Maniry an'i Yaveh mba hitazona an'i Joaba sy ireo taranany meloka aho"
Ny teny "taranaka" sy "seza fiandrianana" dia fomba fiteny ho an'ny fianakaviana sy ny fanjakana. D.H: "an'ny taranak'i Davida sy ny fanjakan'i Davida."
Benaia dia namono an'i Joaba ary lasa mpibaikon'ny mpanjaka ny tafik'i Solomona izy.
D.H: "Nalevin'izy ireo tao an-tranony ihany i Joaba."
Ny trano dia sarinteny ho an'ny tany eo amin'izay trano mitoetra. Ireo Israelita dia nandevina ireo olona ivelan'ny varavaran'ny fasana. D.H: "izay hitoeran'ny fianakaviany"
Solomona mpanjaka dia miresaka amin'i Simey mba hijanona any Jerosalema na Simey dia ho faty.
Eto ny "rà" dia sarinteny ho an'ny heloka sy ny loha dia sarinteny ho an'ny olona. D.H: "Ho tompon'andraikitra amin'ny fahafatesanao ianao"
Handao an'i Jerosalema i Simey.
anaran-dehilahy
ilay tanànan'ny filistina
Ity dia fomba fiteny. "hafaingan'i Simey"
Solomona mpanjaka mitsara an'i Simey amin'ny fandaozany an'ny Jerosalema.
D.H: "nisy olona niresaka tamin'i Solomona"
Solomona dia nampatsiahy an' Simey amin'izay nampantenan'i Simey. D.H: "Fantatrao fa efa nampianiana anao aho ... nilaza hoe, 'fantatra... maty!"
Solomona mpanbjaka dia manambara fitsràna eo amin'ny Simey amin'ny fandaozany an'i Jerosalema.
Mety midika hoe 1) Solomona dia mangataka valim-panontaniana na 2) D.H: "Efa nanao ratsy tamin'ny famotehana ny voady... ianao."
Eto ny loha dia sarinteny amin'ny olona, ary ny haratsiam-panahy dia voalaza toy zavatra mafy na ranon-javatra afaka apetraka eo ambony lohan'olona. D.H: "hitazona anao hiandraikitra ho an'ny haratsiam-panahy rehetra."
Solomona mpanjaka mandidy an'i Simey ho vonoina ho faty.
Eto ny "seza fiandrianana" dia maneho ny fahefana sy fitondran'i Davida sy ireo taranany rehetra mandrakizay.
Ny ampiasaina ity "tanana" ity dia maneho ny herin'i Solomona sy ny fahefana.
1 Nanao dina tamin'i Farao mpanjakan'ny Egypta tamin'ny alalan'ny fanambadiana i Solomona. Naka ny zanaka vavin'i Farao izy ary nitondra azy tao amin'ny tanàn'i Davida mandraham-pahavitany nanorina ny tranony manokana, ny tranon'i Yaveh, ary ny manda manodidina an'i Jerosalema. 2 Teny amin'ireo toerana avo no nanaovan'ireo olona sorona, satria mbola tsy nisy trano niorina ho an'ny anaran'i Yaveh. 3 Naneho ny fitiavany an'i Yaveh i Solomona tamin'ny fandehanana araka ny lalàn'i Davida rainy, hafa tsy izay nanaovany sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ireo toerana avo izy. 4 Nankany Gibeona ny mpanjaka mba hanao sorona teny, satria toerana avo lehibe izany. Nanolotra fanatitra dorana arivo teo ambonin'izany alitara izany i Solomona. 5 Tao Gibeona dia niseho tamin'ny nofy tamin'i Solomona Yaveh nony alina; hoy Izy hoe: "Angataho! Inona no tokony homeko anao?" 6 Koa hoy i Solomona hoe: "Ianao efa naneho tsy fivadiham-panekana lehibe tamin'ny mpanomponao, dia i Davida raiko, satria nandeha teo anatrehanao tamin'ny fahamendreham-pitokisana, tamin'ny fahamarinana, ary tamin'ny fahitsim-po izy. Nohazoninao ho azy ity tsy fivadiham-panekana lehibe ity ary nomenao zanaka lahy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany izy anio. 7 Ankehitriny ry Yaveh Andriamanitro, efa nanao ny mpanomponao ho mpanjaka teo amin'ny toeran'i Davida raiko Ianao, na dia mbola zaza ihany aza aho. Ka tsy fantatro hoe ahoana no fomba hivoahana na hidirana. 8 Ny mpanomponao dia eo afovoan'ireo olona izay nosafidianao, vahoaka lehibe, maro tsy tambo isaina na tsy voaisa. 9 Koa omeo ny mpanomponao ny fahazavam-po hitsara ny olonao, mba hahafahako manavaka ny tsara sy ny ratsy. Fa iza moa no mahay mitsara izao vahoakanao marobe izao?" 10 Nahafaly ny Tompo izany fangatahan'i Solomona izany. 11 Dia hoy Andriamanitra taminy hoe: "Satria efa nangataka izany zavatra izany ianao ary tsy nangataka ho an'ny tenanao mba ho lava andro hiainana na harena na ny ain'ireo fahavalonao, fa nangataka fahazavan-tsaina ho an'ny tenanao mba hamantarana ny rariny. 12 Indro, ankehitriny hataoko izay rehetra nangatahanao tamiko rehefa nomenao Ahy ny fangatahanao. Omeko fo hendry sy mahalala ianao, mba tsy hisy ho tahaka anao teo alohanao, ary tsy hisy tahaka anao hitsangana ao aorianao. 13 Efa nomeko anao ihany koa izay tsy nangatahinao, dia ny harena sy ny voninahitra, mba tsy hisy ho tahaka anao eo amin'ireo mpanjaka amin'ny andronao rehetra. 14 Raha handeha araka ny lalako ianao ka hitandrina ireo lalàko sy ireo didiko, tahaka ny nandehanan'ny rainao, dia hanalava ny andronao Aho." 15 Dia nifoha i Solomona, ary indro, nofy izany. Tonga tao Jerosalema izy ary nitsangana nanoloana ny fiaran'ny faneken'ny Tompo. Nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana izy, ary nanao fanasana ho an'ireo mpanompony rehetra. 16 Dia nisy vehivavy roa izay mpivaro-tena tonga teo amin'ny mpanjaka ary nitsangana teo anatrehany. 17 Hoy ilay vehivavy anankiray hoe: "O, ry tompoko, izaho sy ity vehivavy ity dia miray trano, ary niteraka zaza tao amin'ilay trano niarahako taminy aho. 18 Ary tamin'ny andro fahatelo taorian'ny niterahako dia niteraka koa ity vehivavy ity. Niaraka izahay. Tsy nisy olona hafa niaraka taminay tao an-trano, fa izahay roa ihany. 19 Avy eo maty ny zanaka lahin'ity vehivavy ity nony alina, satria voatsindriny izy. 20 Ka nitsangana izy ny sasak'alina ary naka ny zanako lahy avy eo anilako, raha mbola natory ny mpanomponao, ary nametraka azy teo an-tratrany, sy nametraka ny zanany lahy teo an-tratrako. 21 Rehefa nifoha hampinono ny zanako aho ny maraina, dia efa maty izy. Fa rehefa nijery azy tsara aho ny maraina, dia tsy zanako, izay naterako izy." 22 Fa ilay vehivavy anankiray nilaza hoe: "Tsia, ilay iray velona no zanako, ary ilay iray maty no zanakao." Ilay vehivavy voalohany nilaza hoe: "Tsia, ilay maty no zanakao, ary ny iray velona no zanako." Izany ny fomba noresahan'izy ireo teo anatrehan'ny mpanjaka." 23 Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Ny iray taminareo milaza hoe: 'Ity velona ity no zanako, ary ilay maty no zanakao,' ary ny iray milaza hoe: 'Tsia, ilay maty no zanakao, ary ilay iray velona no zanako."' 24 Hoy ny mpanjaka hoe: "Itondrao sabatra aho." Ka nentin'izy ireo teo anatrehan'ny mpanjaka ny sabatra. 25 Ary hoy ny mpanjaka hoe: "Zarao roa ny zaza velona, ary omeo ity vehivavy ity ny antsasany ary omeo ny anankiray ny antsasany." 26 Ary ilay vehivavy izay velon-janaka niresaka tamin'ny mpanjaka, fa feno fangoraham-po ho an'ny zanany ny fony, ary hoy izy hoe: "O, ry tompoko, omeo azy ny zaza velona, ary tsy midika izany hoe mamono azy." Fa hoy ilay vehivavy iray: "tsy ho ahy na ho anao akory izy. Zarao izy." 27 Avy eo namaly ny mpanjaka ka niteny hoe: "Omeo ilay vehivahy voalohany ny zaza velona, ary tsy midika izany hoe mamono azy. Fa izy no reniny." 28 Rehefa ren'Israely rehetra ny fitsaràna izay nataon'ny mpanjaka, dia natahotra ny mpanjaka izy ireo, satria hitan'izy ireo fa tao aminy ny fahendren'Andriamanitra ho entiny mitsara.
Hanambady Egyptianina iray i Solomona.
Lasa vinanto lahin'i Farao mpanajakan'i Egypte i Solomona ka dia hiara-hiasa sy hiady hanohitra ireo fahavalo ireo mpanjaka roa.
Izy dia mbola tany amin'ny tanànan'i Davida taorian'ny nahavitàny nanorina.
"ny tempoly"
D.H: "tsy nisy na iray aza mbola nahavita nanorina trano"
Ny teny hoe "anarana" dia sarinteny amin'ny olona, ary ny hoe "amin'ny anaran'i" dia maneho fanompoana olona. D.H: "ao amin'izay hanompoan'ny olona an'i Yaveh"
Ny fomba hiainan'ny olona ny fiainan'olona dia voalaza toy ny fandehanana amin'ny lalana iray. D.H: "fankatoavana ny lalàna izay efa nataon'ny rain'i Davida."
Andriamanitra dia manontany an'i Solomona izay afaka hataony amin'i Solomona.
"Ilay toerana tena malaza indrindra amin'ny fanaovana sorona" na "ilay alitara tena manan-danja indrindra"
"Angataho amiko izay rehetra irianao dia omeko anao izany." na "Inona no tianao? Angataho dia homeko anao izany."
Solomona dia namaly ny fanontanian'Andriamanitra.
"Ianao dia tena manam-pinoana amin'ny fanekenao"
Ny fandehanana dia sarinteny amin'ny fiainan'ny olona. Ny anarana hoe "mendrim-pitokisana", "fahamarinana", ary "fahitsiana" dia azo hadika ho teny. D.H: "satria izy dia mendrika hitokisana sy marina, ary ny fony dia mahitsy"
Ny olona tso-po dia voalaza toy ny olona izay manana fo mahitsy. D.H: "ary dia tso-po izy" na "ary dia nilaza ny marina izy ka nanao ny tsara"
Ny "zanaka lahy" dia Solomona.
"mitondra eo amin'ny toerany"
"amin'izao." Solomona dia milaza tsy iray amin'ireo andro akory, fa tamin'ny andro izay efa nitondrany.
Solomona dia mangataka ho amin'ny fahendrena.
Solomona dia manambara fa izy dia olon-kafa haneho haja amin'i Yaveh. D.H: "izaho"
Solomona dia milaza fa izy dia tahaka ny ankizy izay tsy mahalala betsaka amin'ny maha ray.
Ity dia filaza masaka amin'ny tsy fahalalana ireo zavatra mahakasika izay tokony hataony. D.H: "tsy fantatro ny lala-marina hanaovana zavatra" na "tsy fantatro ny fomba hahalasa mpanjaka"
Solomona dia mametraka fanontaniana hanamafisana fa izy dia mahalala izay afahan'ny olona mitsara. D.H: "Tsy misy na iray aza afaka hitsara izany olona maro be anao izany"
Andriamanitra dia hanome fahendrena an'i Solomona ary mihoatra izany.
Ny "aina" dia sarinteny amin'ny hery hamonoana. D.H: "hery hamonoana ireo fahavalonao"
"Ho ataoko izay rehetra nangatahinao tamiko ho atao raha vao niresaka tamiko ianao"
Ny fo dia sarinteny amin'izay heritreretan'ny olona sy iriany. D.H: "Hampahendry anao aho ary hanazava ny sainao amin'ny zavatra maro."
Fiainana ny fiainan'ny olona dia voalaza toy ny fandehanana amin'ny lalana. D.H: "Miainà araka ny iriako anao mba hiaina sy hankatoa"
"andro" dia maneho ny fiainan'i Solomona. D.H: "hahaela velona anao"
Ny teny "indro" eto dia maneho ireo zavatra izay hitan'i Solomona nanintona azy.
Mpivaro-tena roa nangataka an'i Solomona hanao fanapahan-kevitra.
Ireo mpivaro-tena roa dia mitantara ireo tantarany amin'i Solomona.
Izany dia mety fanampiana hilazàna fa ity no nahatonga ilay zazakely maty. D.H: "voatsindriny tsy nahy ilay zazanany ary tavela teo aminy"
Ilay vehivavy dia miresaka toy ny firesahana amin'ny olon-kafa mampiseho fa izy dia manaja an'i Solomona. D.H: "Izaho"
Ireo mpivaro-tena roa dia mbola mizara ny tantarany amin'i Solomona.
Ity dia midika famahanana ronono ny zanany avy amin'ny nonony.
"teo anatrehan'i Solomona" na "raha vao mahita sy mandre azy ireo i Solomona"
Solomona dia handray fanapahan-kevitra ho an'ireo vehivavy roa.
Ilay reny tena izy dia mangataka an'ny mpanjaka hanakalo ny ilay zaza velona.
Ny fo dia voalaza toy ny fitoeran-javatra iray ary ny fangoraham-po dia voalaza toy ny zavatra mafy. D.H: "Tiany tanteraka ilay zanany"
Israely rehetra amin'ny ankapobeny.
1 Mpanjaka teo amin'Israely rehetra i Solomona Mpanjaka. 2 Ireto ireo manam-pahefany: Azaria zanak'i Zadoka no mpisorona. 3 Elihorefa sy Ahia zanak'i Sisa, no mpitan-tsoratra. Josafata zanak'i Ahiloda no mpitam-boky. 4 Benaia zanak'i Joiada no nisahana ny tafika. Zadoka sy Abiatara no mpisorona. [1]5 Azaria zanak'i Natana no nifehy ireo manam-pahefana. Zaboda zanak'i Natana dia mpisorona sy naman'ny mpanjaka. 6 Ahisara no nifehy ny tokan-trano. Adonirama zanak'i Abda dia teo amin'ireo olona izay no nifehy ireo mpanao asa an-terivozona. 7 Nanana manam-pahefana roa ambin'ny folo i Solomona manerana an'Israely rehetra, izay niantoka ny sakafo ho an'ny mpanjaka sy ny ankohonany. Ny lehilahy tsirairay avy dia niantoka ny tahirin-tsakafo mandritra ny iray volana ao anatin'ny taona. 8 Ireto avy ny anarany: 9 Beni-hora, avy any an-tany havoan'Efraima; Beni-dakera tao Makaza, Salbima, Beti-semesy, sy Elon-beti-hanana; 10 Beni-haseda, tao Arobota (Azy i Soko sy ny tany rehetra tao Hefera); 11 Beni-Abinadaba, teo amin'ny distrikan'i Dora rehetra (Tafata zanaka vavin'i Solomona no vadiny); 12 Bana zanak'i Ahiloda, tao Tanaka sy Megido, sy Beti-sana rehetra izay teo akaikin'i Zaretana ambanin'i Jezirela, avy eo Beti-sana ka hatrany Abela-mehola lavitry ny rivon'i Jokneama; 13 Beni-gabera tao Ramota-gileada (Azy ny tananan'i Jaïra zanak'i Manase, izay tao Gileada, ary ny faritr'Argoba dia azy, izay tany Basana, tanàna lehibe enimpolo misy rindrina sy hidim-baravarana varahina); 14 Ahinadaba zanak'i Ido, tao Mahanaima; 15 Ahimaza, tao Naftaly (novadiany ihany koa i Basemata zanaka vavin'i Solomona); 16 Bana zanak'i Hosay, tao Asera sy Bealota; 17 Josafata zanak'i Paroa, tao Isakara; 18 Simey zanak'i Ela, tao Benjamina; 19 ary Gabera zanak'i Ory, any amin'ny tanin'i Gileada, tanànan'i Sihona mpanjakan'ny Amorita sy Oga mpanjakan'i Basana, ary izy irery no manam-pahefana izay tao amin'ny tany. 20 Joda sy Israely dia maro toy ny fasika amoron-dranomasina. Nihinana sy nisotro izy ireo ary faly. 21 I Solomona dia nandidy ny fanjakana rehetra hatreo amin'ny Ony ka hatrany an-tanin'ny Filistina sy ny sisin-tanin'i Egypta. Nitondra fanomezam-boninahitra sy nanompo an'i Solomona izy ireo nandritra ny androm-piainany rehetra. 22 Ny tahirin-tsakafon'i Solomona anatin'ny iray andro dia koba tsara toto telopolo kora sy sakafo enimpolo kora, 23 omby matavy folo, omby tsy nihinam-bilona roampolo, ary ondry zato, afa-tsy ny serfa, gazela, kapreola, ary vorona noatavezina. 24 Satria nanam-pahefana tamin'ny faritra rehetra manila ny ony iny izy, avy eo Tifsa ka hatrany Gaza, mihoatra ireo mpanjaka rehetra izay nanila ny Ony, dia nanana fiadanana tamin'ny nanodidina azy rehetra izy. 25 Niaina am-pitoniana i Joda sy Israely, ny olona rehetra dia teo ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny, avy eo Dana hatrany Beri-sheba, tamin'ny andron'i Solomona rehetra. 26 Nanana tranon-tsoavaly efapolo alina izy ho an'ny kalesiny, ary mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina. 27 Ireo manam-boninahitra ireo dia niantoka sakafo ho an'i Solomona mpanjaka sy ho an'ireo rehetra izay avy teo amin'ny latabatr'i Solomona, ny olon-drehetra tamin'ny volany avy. Ka tsy navelan'izy ireo ho tsy ampy ny zavatra rehetra. 28 Nitondra vary hordea sy mololo ho an'ireo soavaly mpitarika kalesy sy soavaly fitaingina izy ireo, samy mitondra izay zakany avy ny tsirairay. 29 Nomen'Andriamanitra fahendrena sy fahazavan-tsaina be i Solomona, ary fivelaran-tsaina toy ny fasika eny amoron-dranomasina. 30 Ny fahendren'i Solomona dia nihoatra ny fahendren'ireo olona rehetra tany antsinanana sy ny fahendren'i Egypta. 31 Nanam-pahendrena noho ny olona rehetra izy_noho i Etana Ezrahita, Hemana, Kalkola sy Darda zanak'i Mahola_ary ny lazany dia tonga tany amin'ny firenena manodidina rehetra. 32 Niteny ohabolana telo arivo izy ary dimy amby arivo ny hirany raha hisaina. 33 Namaritra ny zava-maniry izy, avy amin'ny sedara tany Libanona ka hatramin'ny hysopa izay maniry manaraka ny rindrina. Nanazava momba ireo biby ihany koa izy, ireo vorona, ireo zavatra mandady, ary ny hazan-drano. 34 Tonga avy tamin'ny firenena rehetra ny olona mba hihaino ny fahendren'i Solomona. Izy ireo dia avy amin'ireo mpanjaka rehetran'ny tany izay efa nandre ny fahendreny.
Ity fiatombohan'ny lisitr'ireo manam-pahefan'i Solomona.
anaran-dehilahy.
Mitohy ny lisitr'ireo manam-pahefan'i Solomona.
anaran-dehilahy.
D.H: "ilay olona izay noteren'i Solomona hiasa mafy ho azy"
Tohin'ny lisitr'ireo manam-pahefan'i Solomona.
Ireo dia anaran'olona. Marihana fa "Bena" dia ialohavan'ny anarana midika hoe "zanaka lahin'i" ka i "Bena hora" dia midika hoe "zanaka lahin'i Hora."
"izay manam-pahefana misahana ny tany havoana ... izay mananm-pahefana an'i Mikaza ... izay manam-pahefana misahana an'i Arabota"
Ireo dia anaran-toerana.
Ny lisitr'ireo manam-pahefan'i Solomona dia mitohy, ary ny lisitr'ireo faritra ao amin'izay sahan'izy ireo dia manomboka.
anaran'olona
"ireo manam-pahefana izay misahana ny distrikan'i Dora ... ireo manam-pahefana izay misahana an'i Tanaka ... ireo manam-pahefana izay misahana an'i Ramota Gileada ... ireo manam-pahefana izay misahana an'i Manahima"
anaram-behivavy
anaran-toerana
Ny lisitr'ireo panam-pahefan'i Solomona sy ireo faritra ao amin'izay sahanin'izy ireo dia mitohy.
anaran-dehilahy
"manam-pahefana izay misahana an'i Naftaly ... ireo manam-phefana izay misahana an'i Asera ... manam-pahefana izay misahana an'i Isakara"
anaram-behivavy
tanim-poko nomena anarana taorian'ireo zanak'Israely.
anarana anjaran-tany.
Ny lisitr'ireo manam-pahefan'i Solomona sy ireo faritra izay sahanin'izy ireo dia mitohy.
anaran-dehilahy
tanim-poko nomena anarana ho an'ny zanak'Israely
anarana anjaran-tany
"ny tany izay an'i Sihona tamin'ny taona fohy."
anarana vondron'olona
Eto ny "tany" dia maneho ny tanin'i Joda; ireo manam-pahefana teo aloha dia filoha teo amin'ny karazam-paritr'Israely.
Ny mpandaha-teny dia mampiasa filaza masaka mba hilazàna fa misy olona maro izay tsy hay hisaina izy rehetra ireo. Ny teny "Joda" sy "Israely" dia sarinteny amin'ny olona izay mitoetra any Joda sy Isarely. D.H: "Misy olona maro any Joda sy Israely araka toy ny isam-pasika eny an-dranomasina" na "misy olona maro mihoatra ny olona iray afaka manisa any Joda sy Israely"
"ny onin'ny Efraita"
Kora iray dia mari-pandrefesana.
Tongom-biby efatra izay mandeha mafy.
maro be mihoatra ireo biby.
"vorona izay fahanan'ny olona ka lasa matavy izy ireo"
anarana anjaran-tany
Ny teny "Joda" sy "Israely" dia sarinteny ho an'ny olon'i Joda sy Israely.
"ny fianakaviana tsirairay dia samy nanana ny zaridainany azy avy miaraka amin'ireo voaloboka sy ireo hazo aviavy," ity dia nampiseho fa ny olona dia niaina am-pilaminana sy am-pahasambarana, satria tsy tao amin'ny ady izy ireo ary nanana fotoana hampitomboana ireo sahany.
Ity dia maneho ny tany manontolon'Israely avy any Dana tany avaratra ka hatrany Berseba tany atsimo.
Trano iray dia toerana izay hasiana sy hikarakarana ireo biby toy ny soavaly.
"izay nihinanana niaraka tamin'i Solomona mpanjaka" na "izay nasan'i Solomona mpanjaka hihinana hiaraka aminy"
Solomona dia nanendry ny manam-pahefana roa ambin'ny folo tsirairay.
D.H: "niantoka ireo zavatra rehetra izay nilàn'i Solomona izy ireo"
Andriamanitra manome fahafahana an'i Solomona mba ho hendry ary hatakatrta zavatra maro dia voalaza toy nanomezan'Andriamanitra zavatra ara-fizika. Ny anarana hoe "fahendrena" sy "fahatakarana" dia afaka hadika ho matoanteny. D.H: "Andriamanitra dia mamela an'i Solomona ho hendry sy hahatakatra zavatra maro"
Solomona dia mahay manakatra zavatra maro momba ny karazana foto-kevitra. Ny anarana hoe "fivelarana" dia azo hadika ho teny. D.H: "Solomona dia mahay manakatra zavatra maro momba ny foto-kevitra malalaka."
"Solomona dia hendry mihoatra ireo olon-kendry rehetra"
Ity dia maneho amin'ny olona avy any amin'ny tanàna atsinanan'Israely toy ny Arabia sy Mesopotamia.
anaran-dehilahy.
Ireo teny dia manome hendrika teny fampisainana ka anisan'izany ny zava-maniry rehetra. D.H: "hazo sedara ... hysopa voaroy" na "ireo hazo lehibe indrindra ... ireo voaroy kely lanja indrindra"
1 Hirama mpanjakan'i Tyro dia nandefa ireo mpanompony ho any amin'i Solomona satria reny fa voahosotr'izy ireo handimby an-drainy izy; satria Hirama dia efa tia an'i Davida foana hatrizay. 2 Nampitondra teny ho any amin'i Hirama i Solomona, nilaza hoe: 3 "Fantatrao fa i Davida raiko dia tsy afaka nanamboatra trano ho an'ny anaran'i Yaveh Andriamaniny noho ireo ady izay nanodidina azy, fa nandritra ny androm-piainany i Yaveh dia nametraka ireo fahavalony teo ambany faladian-tongony. 4 Fa ankehitriny, Yaveh Andriamanitro dia efa nanome ahy fitsaharana amin'ny lafiny rehetra. Tsy misy na mpifanandrina na loza. 5 Koa dia mikasa ny hanorina Tempoly ho an'ny anaran'i Yaveh Andriamanitro aho, araka izay noresahan'i Yaveh tamin'i Davida raiko, nanao hoe: "Ny zanakao lahy, izay hapetrako eo amin'ny seza fiandriananao eo amin'ny toeranao, no hanangana ny Tempoly ho an'ny anarako.' 6 Ary ankehitriny mandidia mba hanapahan'izy ireo hazo Sedera avy any Libanona ho ahy. Hiaraka amin'ireo mpanomponao ireo mpanompoko, ary izaho no handoa ny karaman'ireo mpanomponao mba ho voakarama ara-drariny ianao ny amin'ny zavatra rehetra izay nekenao atao. Satria fantatrao fa tsy misy eo aminay mahay ny fomba anapahana hazo toy ireo Sidoniana." 7 Raha nandre ny tenin'i Solomona i Hirama, dia niravoravo indrindra izy ka niteny hoe: "Hoderaina anie Yaveh anio, izay nanome an'i Davida zanaka lahy hendry ho eo amin'ity vahoaka lehibe ity." 8 Nampitondra teny ho an'i Solomona i Hirama, nilaza hoe: "Efa henoko ny hafatra izay nalefanao ho ahy. Hamatsy ny hazo Sedera sy kypreso rehetra izay irianao aho. 9 Ho entin'ireo mpanompoko midina avy any Libanona manakany amin'ny ranomasina ireo hazo, ary ho feheziko anaty vatan-kazo ireo ka hitsikafona amin'ny ranomasina mankany amin'ny toerana izay tondronao handefasako azy. Any no hampanapahako azy ireo, ary dia ho alainao ireo. Ho ataonao izay iriko amin'ny fanomezana sakafo ny ankohonako." 10 Koa nomen'i Hirama an'i Solomona ny hazo sedera sy ny hazo kesika rehetra izay niriany. 11 Nomen'i Solomona varimbazaha roa alina kora ho sakafo ho an'ny ankohonany i Hirama ary diloilo tsy mitapoka roapolo kora. Nomen'i Solomona ho an'i Hirama isan-taona izany. 12 Nomen'i Yaveh fahendrena i Solomona, araka izay efa nampanantenainy azy. Nisy fihavanana teo amin'i Solomona sy Hirama, ka nanao fanekena izy roa tonta. 13 Nampiantso mpanao asa an-terivozona tamin'ny Israely rehetra i Solomona Mpanjaka. Miisa telo alina ireo lehilahy mpanao asa an-terivozona. 14 Nalefany tany Libanona izy ireo, iray alina no mifandimby isam-bolana. Iray volana izy ireo no tany Libanona ary roa volana tany an-trano. I Adonirama no nanapaka teo amin'ireo lehilahy izay nampanekena ho amin'ny asa an-terivozona. 15 Ary i Solomona nanana mpitondra entana fito alina sy mpamaky vato valo alina izay tany an-tendrombohitra, 16 ankoatra ireo 3. 300 lehiben'ny manam-pahefan'i Solomona izay nanapaka ny asa ary izay nanaramaso ireo mpiasa. 17 Araka ny didin'ny mpanjaka dia nandrafitra vato lehibe tsara kalitao mba hapetraka amin'ny fanorenana ny Tempoly izy ireo. 18 Ary ireo mpanorin-tranon'i Solomona sy ireo mpanorin-tranon'i Hirama ary ireo Gebalita no nanao ny fikapana sy ny fikarakarana ny hazo sy ireo vato hanamboarana ny tempoly.
Solomona dia miresaka amin'i Hirama mpanjaka momba ny fananganana ny tempoly.
"Hirama dia namana akaikin'i Davida mpanjaka foana hatrizay.
Mmaetraka fahavalo iray ambany tongotr'olona dia midika ny handresy azy ireo. D.H: "Yaveh dia nanampy an'i Davida handresy ireo fahavalony" na "Davida dia be asa hatramin'izay nanomezan'i Yaveh azy fandresena teo amin'ireo fahvalony"
Ny teny "anarana" dia sarinteny amin'ny olona ary "ho an'ny anarana" dia maneho ny fanompoana olona. D.H: "ao amin'izay olona manompo an'i Yaveh"
Mety misy dikany hafa hoe "noho ny ady tamin'ireo fahavalo nanodidina azy" na "satria niady ireo fahavalo tamin'ny manodidina rehetra izy."
Ny faladian-tongotra dia sarinteny ho amin'ny fanaraha-maso feno eo amin'ny olona iray. D.H: "Yaveh dia manome fahafahana an'i Davida hanohitra tanteraka ireo fahavalo"
Somona dia mitohy miresaka amin'i Hirama mapanjaka momba ny fananganana ny tempoly.
Talohan'ny nahalasa mpanjaka an'i Davida, Davida panajaka sy ireo vahoakan'Israely dia efa an'ady, siangy anio Solomona mpanjaka sy ireo olona dia tao am-pitsaharana sy tamin'ny fotoam-pilamianana.
na olona izay mahatonga haratsiana na zava-nitranga voajanahary izay mahatonga haratsiana. D.H: "voahambina avy amin'ireo fahavalo sy loza voajanahary isika"
fahavalo
tranga izay mahatonga fanaratsiana amin'ny olona sy ny vintan'izy ireo.
Ity dia hanamafisana ny teny manaraka. "Indro! Izany no handeha ataoko izao." na "Satria noho izany no nataon'i Yaveh tamiko, dia izany no handeha ho ataoko."
Ny teny "anarana" dia sarinteny amin'ny olona. D.H: ''izay hitoeran'i Yaveh Andriamanitro ... izay hitoerako"
Eto ny "seza fiandrianana" dia maneho fitondrana ho mpanajaka. D.H: "meteza ho mpanjaka handimby anao"
"ireo mpiasanao dia mahay ny fomba hanapahana ireo hazo mihoatra ireo lahilahy"
"olon'i Sidona"
Hirama mpanjaka namaly an'i Solomona.
"inona no nolazain'i Solomona"
D.H: "hidera an'i Yaveh aho anio"
Kypreso dia anisan'ireo karazan-kazo hafa sarobidy izay hampiasaina amin'ny fananganana ny tempoly.
Hirama mpanajaka mamaly an'i Solomona hatrany.
"fatorana miaraka ireo mba hitsingevana mitambatra.
D.H: "hamaha ireo hazo tsirairay ireo mpiasako"
"Afaka ataonao izay iriko" na "afaka honeranao aho"
Ny teny "kesika" maneho karazan-kazo, isan'izany ny hazo kypreso.
Ity dia famarana toy menaka tahaka ny famaran-drano. Tsy mazava izay famarana natao. Ny UDB dia mandray fampianarana angamba.
"mandava-taona"
Solomona dia manery olona hanangana tempoly.
"nanery olona hiasa avy amin'ireo Israely"
Any dia misy vondrona telo izay manao fivadiahana mandany iray volana any Libanaona ary roa volana any an-trano.
Ny vondron-kazo tsirairay dia nandany iray volana tamin'ny fiasana tany Libanaona ary roa volana tao an-trano tany Israely.
D.H: "ny olona izay noteren'i Solomona hiasa ho azy"
Solomona dia mbola manery ny olona hanangana ny tempoly hatrany.
"zavatra maivana"
"olona izay mandavaka vato amin'ny tany ary manapotipotika ireo."
Solomona dia mbola nanery ny olona hanangana ny tempoly hatrany.
"nandavaka lehibe, ireo vato tsaran'ny tendrombohitra ary nikapa azy ireo hanana endrika marina"
Olona avy ao an-tananan'ny Gebala (UDB)
1 Ary i Solomona nanomboka nanamboatra ny tempolin'i Yaveh. Izao no niseho tamin'ny taona faha 480 taorian'ny nialan'ny zanak'Israely tamin'ny tany Egypta, tamin'ny taona faha efatra no nanjaka teo amin'ny Israely i Solomona, tamin'ny volana Ziva, izay volana faharoa. 2 Ny tempoly izay namboarin'i Solomona Mpanjaka ho an'i Yaveh dia enimpolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary telopolo hakiho ny hahavony. 3 Ny lavarangana eo anoloan'ny efitrano lehiben'ny tempoly dia roapolo hakiho ny halavany, mitovy amin'ny sakan'ny tempoly, ary folo hakiho halaliny eo anoloan'ny tempoly. 4 Ireo varavaran-kelin'ny trano dia nataony tery rafitra noho ny anatiny ny ivelany. 5 Nanamboarany efitra ny manodidina ireo rindrin'ny efitrano lehibe, manodidina ny ivelany sy ny anatin'ny efitra. Nasiany efitra ny manodidina ireo sisiny rehetra. 6 Ny ambany indrindra dia dimy hakiho ny sakany, ny afovoany dia enina hakiho ny sakany, ary ny farany dia fito hakiho ny sakany. Fa ny ivelany dia nahenany ny rindrina manodidina ny trano rehetra mba tsy hisaraka amin'ireo andry amin'ny rindrin'ny trano. 7 Vato voapaika no nanamboarana ny trano. Tsy nisy tantantana, famaky, na vy maranitra heno tao an-trano tamin'ny nanamboarana azy. 8 Ny avy any atsimon'ny tempoly dia nisy fidirana tao amin'ny rihana ambany, nisy tohatra iray fiakarana mankany amin'ny rihana voalohany, ary avy eo afovoany no miakatra mankany amin'ny rihana faharoa. 9 Koa namboarin'i Solomona ny tempoly ary novitainy izany; norakofany andry sy hazo sedera fisaka ilay trano. 10 Namboariny teo ampitan'ny efitranon'ny tempoly ireo efitra an-daniny, dimy hakiho isaky ny an-daniny; ka hazo sedera no nampifandray ny trano sy ny hazo sedera. 11 Tonga tamin'i Solomona ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 12 "Ny momba ity tempoly izay namboarinao ity, raha handeha araka ny lalàko sy hanao ny rariny ianao, hitandrina ny didiko rehetra ary hanaraka izany, dia hamafisiko aminao ny fampanantenana izay nataoko tamin'i Davida rainao. 13 Hitoetra eo amin'ny vahoakan'Israely Aho ary tsy hahafoy azy ireo." 14 Ka namboarin'i Solomona ny tempoly ary novitainy izany. 15 Avy eo dia namboariny tamin'ireo hazo sedera ny rindrina tao anatin'ny trano. Hatramin'ny tany ka hatramin'ny valin-drihana, dia norakofany hazo ny tao anatin'ireo, ary hazo kypreso no nanaromany ny ambany. 16 Nataony roapolo hakiho hatreo an-damosin'ny trano misy hazo sedera hatrany ambany ka hatrany amin'ny valin-drihana. Nataony ho efitra anatiny izany efitra izany, ilay toerana masina indrindra. 17 Ny efi-trano lehibe, izay toerana masina eo anoloan'ny toerana masina indrindra, dia efapolo hakiho ny halavany. 18 Nisy sedera tao anatin'ny trano, voasokitra niendrika voatango sy voninkazo mivelatra. Sedera daholo ny ao anatiny. Tsy nisy rafi-bato tazana tao anatiny. 19 Nanomana ny efitrano anatiny tao anatin'ilay trano mba hametrahana ny fiara faneken'i Yaveh tao i Solomona. 20 Ny efitrano anatiny dia roapolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary roapolo hakiho ny hahavony. Nofenoin'i Solomona volamena tsy misy fangarony ireo rindrina ary norakofany hazo sedera ny alitara. 21 Nofenoin'i Solomona volamena tsy mifangaro ny anatin'ny tempoly ary nampiany rojom-bolamena teo anoloanan'ny efitrano anatiny ary nofenoina volamena ny anoloana. 22 Ny anatiny manontolo dia norakofany volamena mandra-pahavitan'ny Tempoly rehetra. Nofenoiny volamena ihany koa manerana ny alitara izay ao amin'ny efitrano anatiny. 23 Nanamboatra kerobima roa tamin'ny hazo oliva i Solomona, samy folo hakiho avy ny halavany, ho an'ny efitra anatiny. 24 Ny elatry ny kerobima iray dia folo hakiho ny halavany, ary ny elany hafa dia dimy hakiho ihany koa. Ny halavirana eo amin'ny tendron'ny elatra iray hatrany amin'ny tendron'ny elatra hafa. 25 Ny tendron'ny elatra anankiray ka hatramin'ny tendron'ny elatra anankiray dia manana elanelana folo hakiho. Ilay kerobima hafa dia manana elatra folo hakiho. 26 Ny kerobima roa dia samy mitovy refy sy endrika. Ny hahavon'ny kerobima iray dia folo hakiho ary tahaka izany koa ilay kerobima hafa. 27 Napetrak'i Solomona teo afovoan'ny trano ny kerobima. Navelatra ireo elatry ny kerobima mba hikasihan'ny elatra ny iray amin'ny rindrina iray ary elatr'ilay kerobima hafa hikasika ilay rindrina hafa. Nifampikasoka teo afovoan'ilay toerana masina indrindra ny elatr'izy ireo. 28 Norakofan'i Solomona tamin'ny volamena ny kerobima. 29 Noravahany tamin'ireo sarin'ny kerobima ireo rindrina rehetra manodidina ny trano, hazon-drofia, ary voninkazo mamelana, ny ivelany sy ny anatin'ireo efitra. 30 Norakofan'i Solomona tamin'ny volamena ny gorodona, ny efitra ivelany sy ny anatiny. 31 Namboarin'i Solomona tamin'ny hazon'ny oliva ireo varavarana fidirana mankao amin'ny efitra anatiny. Ny tolàna sy ny lelam-baravarana dia ampahadimin'ireo faritra natao. 32 Dia nanamboatra varavarana roa tamin'ny hazon'ny oliva izy, ary nampiany sary sokitry ny kerobima teo amin'izany, hazon-drofia, ary voninkazo mamelana. Norakofany tamin'ny volamena ireo ary naparitany volamena teo amin'ny kerobima ary hazon- drofia. 33 Toy izany koa, namboarin'i Solomona tamin'ny hazo oliva ireo andrim-baravarana fidirana ao an-tempoly izay mizara efatra 34 ary ny varavarana roa dia hazo kypreso. Ireo kopaka roan'ny varavarana dia mivalona ary ireo kopaka roan'ny varavarana hafa dia mivalona. 35 Nasiany sary sokitra kerobima teo amin'izy ireo, hazon- drofia, ary voninkazo mivelatra, ary manisy volamena eo amin'ny asa-sokitra matetika izy. 36 Namboariny tamin'ny vato voapaika andalana telo ny kianja tao anatiny ary andry sedera iray andalana. 37 Ny fanorenana ny tranon'i Yaveh dia napetraka tamin'ny taona faha efatra, tamin'ny volan'ny Ziva. 38 Tamin'ny taona faha-iraika ambin'ny folo, tamin'ny volan'i Bola, izay volana fahavalo, dia vita tanteraka tamin'ny lafiny rehetra sy ny famaritana rehetra ny trano. Nandany fito taona i Solomona nanamboatra ny tempoly.
Ny mpanoratra dia manao lisitra ireo lafin'ny tempoly.
Mety tsara ny nandikana izany mba hahatakaran'ny mpamaky fa nanampy an'i Solomona nanao izany ny olona sasany.
Ireo dia filaharan'ny 480 sy 4.
"Ziva" dia anaran'ny volana faharoa amin'ny tetiandron'ny Hebreo. Izany dia mandritra ny tapany faran'ny Aprily sy ny tapany voalohan'ny May amin'ny tetiandron'ny tandrefana.
Ny hakio dia 46 santimetatra. D.H: "27,6 metatra ny halavany, 9,2 metatra ny sakany, ary 13,8 metatra ny hahavony"
Ny mpanoratra dia manao lisitra ireo lafin'ny tempoly.
Ny faritrin'ny trano be vita amin'ireo andry sy ny tafo izay mitarika sy mba hampifandray amin'ny varavaran'ny trano be fidirana. Izany lavarangana izany angamba dia nampiarahina tamin'ny anjara anoloan'ny rindrina izay manodidina ny tempoly.
Ny hakio dia 46 santimetatra. D.H: "9,2 metatra ... 4,6 metatra"
Ny mpanoratra dia manao lisitra ireo lafin'ny tempoly.
Nanamboarany efitra eny ivelan'ny rindrina ivelany manodidina ny efitrano lehibe.
Izany dia manondro ireo trano isaky ny efitranon'ny trano be.
Ny hakio dia 46 santimetatra. D.H: "eo amin'ny 2,3 metatra eo ho eo ... eo amin'ny 2,8 metatra eo ho eo ... eo amin'ny 3,2 metatra eo ho oe"
Nasian'izy ireo rindriny avo ny manodidina ny trano be rehetra mba hanohana ireo andrin'ny trano kely.
Ny andry dia singa mavesatra vita amin'ny hazo ampiasaina mba hanohanana ny trano be.
Eto ny "trano" dia manondro ny tranon'Andriamanitra, ny tempoly.
Ny toeram-pitrandrahana dia famakian'ny olona ireo vato eny an-tendrombohitra ary anefena izany amin'ireo fitaovana mba hampalama izany. Aorian'ny fanomanan'izy ireo ny vato any amin'ny toeram-pitrandrahana, dia entin'izy ireo any amin'ny tempoly izany.
Eto dia ireo fitambaran'ny rihana telo. Ny fiteny sasany manao ireo hoe "rihana farany ambany" "rihana voalohany ary "rihana faharoa"
Mety tsara ny nandikana izany mba hahatakaran'ny mpamaky fa nanampy an'i Solomona nanao izany ny olona sasany.
Ny andry dia singa mavesatra vita amin'ny hazo ampiasaina mba hanohanana ny trano be. adikao toy ny ao amin'ny 6:4.
Ny hazo fisaka dia hazo manify ampiasaina amin'ny rihana sy ny rindrina.
Izany dia ireo trano mitovy izay ampitahaina toy ny ao amin'ny 6:4.
Ity fehezanteny ity dia sarintenin'ny rindrina izay mamefy ireo efi-trano. D.H: "ny rindrina ivelany izay mamefy ny efitranon'ny tempoly"
Ny hakio dia 46 santimetatra. D.H: "2,3 metatra"
Ny teny hoe "hazo" dia fiteny amin'ny ankapobeny izay manondro ny hazo ampiasaina amin'ny fanamboarana trano, toy ny andry sy ny hazo fisaka.
izany dia fomba fiteny izay ampiasaina mba hampafantarana zavatra izay nambaran'Andriamanitra ny mpaminaniny na ny olony. D.H: "Nilaza izao hafatra izao i Yaveh" na "Nilaza izao teny izao i Yaveh"
Ny teny hoe "handeha" dia .... ny "fiainana" na "fankatoavana." D.H: "ankatoavy mandrakariva ny lalàko rehetra"
Ireo mety ho heviny dia 1) "tandremo ny lalàko rehetra" na 2) "ento amin'ny fahamarinana ireo olona izay tandremanao."
Ireo andian-teny roa ireo amin'ny ankapobeny dia midika zavatra mitovy ary manasongadina ny maha zava-dehibe ny fankatoavana ireo didin'Andriamanitra. D.H "ankatoavy tsara izay asaiko ataonao"
"hataoko ny zavatra rehetra izay nampanantenaiko an'i Davida rainao izay tokony hataoko aminao"
Mety tsara ny nandikana izany mba hahatakaran'ny mpamaky fa nanampy an'i Solomona nanao izany zavatra izany ny olona sasany.
"ao anatiny"
Ny kypreso dia karazana hazo izay ampiasaina anamboarana ny tempoly.
"Nanamboatra efitra iray roapolo hakio ny lavany izy"
Ny hakio dia 46 santimetatra. D.H: "9,2 metatra ... 18,4 metatra"
"efitra lehibe"
karazana, legioma boribory izay maniry eo amin'ny voaloboka eo amin'ny tany
"voninkazo mamelana" na "voninkazo izay mivelatra"
"9,2 metatra"
Izany alitara izany dia fandorana ditin-kazo manitra.
"nandrakotra" (UDB)
"Alitaran'ny ditin-kazo manitra eo amin'ny fidirana ao amin'ny efitrano anatiny"
"hazo avy amin'ny hazo oliva"
Ny hakio dia 46 santimetatra. D.H: "4,6 metatra ... 2,6 metatra"
ny halavirana eo amin'ny tendron'ny elatra iray hatrany amin'ny tendron'ny elatra hafa
"habeny"
Mety tsara ny nandikana izany mba hahatakaran'ny mpamaky fa nanampy an'i Solomona nanao izany ny olona sasany.
anarana hafa ho an'ny toerana masina indrindra
"nandrakotra" (UDB)
Azo hadika amin'ny tsara indrandra izany mba hatakaran'ny mpamaky izay nafahan'olona nanampy an'i Solomona anao izany.
ireo endrika
"nandrakotra"
Azo hadika amin'ny tsara indrandra izany mba hatakaran'ny mpamaky izay nafahan'olona nanampy an'i Solomona anao ireo zavatra ireo.
andry mandalo eo an-tapon'ny rafitrin'ny varavarana.
akanjo fotsy isakin'ny ampahadimin'ny faritra.
"nandrakotra" (UDB)
"Solomona dia nanamboatra tolanam-baravarana tamin'ny hazo oliva amin'ny fidiranana eo amin'ny tempoly, miaraka amin'ny ampahany efatra sy varavaram-be roa vita amin'ny hazo kypreso, tamin'ny fomba mitovy."
akanjo fotsy toy ny nify
Ny varavarana tsirairay dia midika fa ny varavarana dia misy ampahany roa mifandray amin'ny alalan'ny molony afahan'izy ireo mamoritra azy miaraka.
Azo hadika amin'ny tsara indrindra izany mba hatakaran'ny mpamaky izay nafahan'olona nanampy an'i Solomona anao izany.
Andry iray dia singan-kazo lava mavesatra nampiasaina hanohanana ny fototra iray.
Ny teny "faha efatra" sy "faha-iraika ambin'ny folo" dia endrika tsotran'ny "efatra" sy "iraika ambin'ny folo". Mety ilainao ny manao ny hetsika avy amin'izay hanisan'ny mpanoratra ny taona mazava tsara. D.H: "ny taoana faha efatra taorian'ny nahalasa mpanajaka an'i Solomona ... ny taona faha-iraika ambin'ny folo taorian'i Solomona lasa mpanjaka"
"ny tempoly" (UDB)
"Ziva" dia anaran'ny volana faha roa
"Bula" volana faha valo amin'ny tetiaran'ny Hebreo. Mandritry ny antsasaky ny faran'ny volona Octobra izany ary ny antsasaky ny voalohan'ny volana Novambra amin'ny tetiandro Tavaratra.
D.H: "izy ireo dia nahavita ny fananganana nanerana ny trano rehetra. Nanangana izany tokona izy ireo araka ny fomba nilazan'i Solomona hananganany izany"
Azo hadika amin'ny tsara indrindra izany mba hatakaran'ireo mpamaky ka nahafahan'ireo olon-kafa nanampy an'i Solomona anao izany.
1 Telo ambin'ny folo taona no nanaovan'i Solomona ny lapany. 2 Nanorina ny Lapa tamin'ny Alan'ny Libanona izy. Zato hakiho ny halavan'izany, dimampolo hakiho ny sakany, ary telopolo hakiho ny hahavony. Namboarina tamin'ny andalan'andry sedera efatra ny lapa niaraka tamin'ny andry sedera teo amin'ireo tsangam-bato. 3 Notafoana tamin'ny sedera ilay trano izay napetraka teo amin'ireo andry. Ireo andry ireo dia notohanana tamin'ny tsangam-bato. 4 Nisy andry dimy amby efapolo teo, dimy ambin'ny folo amin'ny andalana iray. Nisy andry teo amin'ireo andalana telo, ary ny varavarankely tsirairay dia nifanandrify tamin'ny varavarankely telo hafa. 5 Ny varavarana sy ny varavarankely rehetra dia natao ho efa-joro niaraka tamin'ireo andry, ary ny varavarankely nifanandrify tamin'ny varavarankely telo hafa. 6 Nisy andry maro nifanila izay dimampolo hakiho ny halavany ary telopolo hakiho ny sakany, miaraka amin'ny lavarangana eo anoloana sy andry ary tafo. 7 Nanorina ny rindrin'ny seza fiandrianana izay hitsarana azy i Solomona, dia ny efitranon'ny fahamarinana. Norakofana tamin'ny sedera isaky ny rihana izany. [1]8 Ny tranon'i Solomona izay nonenany, tao amin'ny kianja hafa misy ny tanin-dapa, dia novolavolaina mitovy. Nanorina trano toy izany ho an'ny zanaka vavin'i Farao ihany koa izy, izay nalainy ho vady. 9 Ireo trano ireo dia noravahana tamin'ny vato lafo vidy voapaika, voarefy tsara ary voatapaka tamin'ny tsofa ary natao nalama tamin'ny lafiny rehetra. Ireo vato ireo dia nampiasaina ho amin'ny fanorenana ireo vato eo an-tampony, sy tany ivelany ka hatramin'ny kianja lehibe ihany koa. 10 Ny fototra naorina tamin'ny vato lehibe, sy lafo vidy izay valo sy folo hakiho ny halavany. 11 Teo ambony dia nisy vato lafo vidy voapaika izay voafaritra tsara amin'ny habeny, ary andry sedara. 12 Nisy andalana vato voatapaka telo sy tapaka andry sedara iray ny kianja lehibe izay nanodidina ny lapa toy ny kianja ao anatin'ny tempolin'i Yaveh ary ny tempolin'ny lavarangana. 13 Nampaka an'i Hirama i Solomona mpanjaka ary nitondra azy avy any Tyro. 14 Hirama dia zanaky ny mpitondra tena iray tao amin'ny fokon'i Naftaly; olon'i Tyro ny rainy, izay mpanao asa-tanana amin'ny varahina. Feno fahendrena sy fahazavan-tsaina ary fahaizana mba hanao asa lehibe amin'ny varahina i Hirama. Nandeha nankany amin'i Solomona Mpanjaka izy mba hiasa amin'ny varahina ho an'ny mpanjaka. 15 Namboatra ireo andry roa tamin'ny varahina i Hirama, valo ambin'ny folo hakiho ny hahavony ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina ny tsirairay. 16 Nanao kapitaly roa tamin'ny varahina voakosoka izy mba hapetraka eo an-tampon'ireo andry. Dimy hakiho ny hahavon'ny kapitaly tsirairay. 17 Makarakara mitarehin-karato sy tanjomiolaka mitarehin-drojo ampiasaina ho an'ireo kapitaly no nandravaka ny tendron'ireo andry fito isaky ny kapitaly. 18 Ka nanao andalana ampongamben-danitra roa nanodidina ny tendron'ny andry tsirairay i Hirama mba handravahana ireo kapitalin'izy ireo. 19 Ireo kapitaly teo an-tendron'ireo andrin'ny lavarangana dia noravahana tamin'ny lilia, efatra hakiho ny hahavony. 20 Tao amin'ireo kapitaly tamin'ireo andry roa ireo koa dia nahitana, ampongamben-danitra roanjato mitandahatra manodidina ny tampon'izy rehetra. 21 Nanangana ireo andry tao an-davarangan'ny tempoly izy. Ilay andry teo ankavanana dia nantsoina hoe Jakina, ary ilay andry teo ankavia dia nantsoina hoe Boaza. 22 Teo an-tendron'ireo andry dia nisy ireo haingo toy ny lilia. Izany no fomba nandrafetana ireo andry. 23 Nanao ny koveta tamin'ny vy i Hirama, folo hakiho isaky ny sisiny. Dimy hakiho ny hahavony, ary telopolo hakiho ny manodidina ny koveta. 24 Nisy tanatanamanga tao ambanin'ny sisiny nanodidina ny koveta, folo isaky ny hakiho, ary natambatra ho iray niaraka tamin'ny koveta raha ny koveta mihitsy no natao. 25 Teo amin'ireo omby roa ambin'ny folo ilay koveta, telo nanatrika ny avaratra, telo nanatrika ny andrefana, telo nanatrika ny atsimo, ary telo nanatrika ny antsinanana. Napetraka teo amin'ny tampon'ireo ilay koveta, ary nifanila ny faritry ny vodin'izy rehetra. 26 Natevina tahaka ny sakan'ny tanana ilay koveta, ary ny sisin'izany dia naorina toy ny sisin'ny kaopy, toy ny famoan'ny lilia. Omby rano roa arivo bata ilay koveta. 27 Nanao tongotra varahina folo i Hirama. Efatra hakiho ny halavan'ny tongotra tsirairay ary efatra hakiho ny velarany, ary telo hakiho ny hahavony. 28 Toy izany ny fanaovana ireo tongony. 29 Nisy takelaka teo anelanelan'ireo zana-kazo ireo, ary nisy liona, omby sy kerobima teo amin'ireo takelaka sy teo amin'ireo zanan-kazo. Teo ambony sy tao ambanin'ireo liona sy ireo omby dia nisy fehiloha voatefy tsara. 30 Nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia ny tsanganany rehetra, ary nisy tohana tao ambanin'ny sisiny efatr'ilay koveta. Nasiana fehiloha ny sisin'ny tsirairain'ireo fanohanana. 31 Boribory toy ny faladia ny fisokafana, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary tao anatin'ny satro-boninahitra izay iray hakiho ny halavany. Voasoratra teo amin'ny fisokafany, ary ny takelak'ireo dia efa-joro, fa tsy boribory. 32 Tao ambanin'ny takelaka ireo kodia efatra, ary ny tanan-kodia sy ireo fitoerany dia tao amin'ny tsanganana. Ny hahavon'ny kodia iray dia iray hakiho sy sasany. 33 Ary natao toy ny kodian'ny kalesy ireo kodia. Ireo fitoerany, ireo sisiny, ireo tanamasoandrony, sy ireo ivony dia natao vy avokoa. 34 Nisy sorony efatra tamin'ireo sisiny efatry ny tsanganan'ny tsirairay, natao tao amin'ny tsanganana ihany. 35 Teo an-tampon'ireo tsanganana dia nisy fehim-barika iray izay antsasaka hakiho ny halaliny, ary eo an-tampon'ilay tsanganana no namatorana ireo tohana sy ireo takelaka. 36 Voasoratr'i Hirama kerobima, liona, sy hazo rofia ny velaran'ireo fanohanana sy ireo takelaka izay nandrakotra ireo toerana malalaka, ary voadidina fehiloha ireo. 37 Izany no fomba nanaovany an'ireo tsanganana folo. Natao tamin'ny lasitra mitovy avokoa izy rehetra, ary nanana habe, sy endrika mitovy. 38 Nanao koveta varahina folo i Hirama. Ny koveta iray dia afaka mitahiry rano efapolo bata. Efatra hakiho ny sakan'ny koveta tsirairay avy ary nisy koveta iray isaky ny tsanganana folo. 39 Nanao tsanganana dimy teo amin'ny lafiny atsimon'ny tempoly izy ary dimy teo amin'ny lafiny avaratry ny tempoly. Nataony teo amin'ny sisiny antsinanana ny koveta, manatrika any atsimon'ny tempoly. 40 Nanao ny koveta sy ny lapelina ary ny lovia famafazana i Hirama. Ka dia vitany ny asa rehetra izay nataony ho an'i Solomona Mpanjaka tao an-tempolin'i Yaveh: 41 ireo andry roa, sy ireo lovia-toy ireo kapitaly izay teo an-tampon'ireo andry roa, ary ireo haingon'arato roa makarakara mba hanaronana ny lovia roa toy ireo kapitaly izay teo an-tampon'ny ireo andry. 42 Nanao ireo ampongaben-danitra efatra izy ho an'ireo haingon'arato roa voavitrana: andalan'ampongaben-danitra roa ho an'ny harato tsirairay mba hanaronana ny lovia roa-toy ireo kapitaly izay teo amin'ireo andry, 43 tsanganana folo, sy koveta folo teo amin'ireo tsanganana. 44 Nataony tao ambanin'izany ny koveta sy ireo omby roa ambin'ny folo; 45 ireo tavy, ireo lapelina, ireo koveta be, ary ireo fitaovana hafa rehetra ihany koa. Nataon'i Hirama tamin'ny varahina voakosoka ireo, ho an'i Solomona Mpanjaka, ary ho an'ny tempolin'i Yaveh. 46 Napetraky ny mpanjaka teny amin'ny tany lemak'i Jordana ireo, tao amin'ny tanimanga anelanelan'i Sokota sy Zaretana. 47 Tsy nolanjain'i Solomona ireo fanaka rehetra satria betsaka loatra raha holanjaina, satria tsy afaka nolanjaina ny lanjan'ny varahina. 48 Nanao ny fanaka rehetra izay tao an-tempolin'i Yaveh tamin'ny volamena i Solomona: dia ny alitara volamena sy latabatra izay nametrahana ny mofon'ny fanatrehana. 49 Ireo fanaovan-jiro, dimy eo amin'ny ilany ankavanana ary dimy eo ankavia, teo alohan'ny efitra anatiny, dia vita tamin'ny volamena madio, ary ireo voninkazo, ireo jiro, ary ireo lelany dia vita tamin'ny volamena madio. 50 Ireo kapoaka, ireo antsy, ireo koveta, ireo sotro, sy ireo fandorana ditin-kazo manitra dia natao tamin'ny volamena madio avokoa. Ireo savilin'ireo varavarana ao amin'ny efitra anatiny ihany koa, izay toerana masina indrindra, sy ireo varavaran'ny efitra lehiben'ilay tempoly, dia natao tamin'ny volamena madio izy rehetra. 51 Tamin'izany fomba izany, no nahavitana ireo asa rehetra izay nataon'i Solomona Mpanjaka ho an'ny tranon'i Yaveh. Koa nentin'i Solomona tao anatiny ireo zavatra natokan'i Davida, rainy, sy ireo volafotsy, volamena, sy ireo fanaka, ary napetrany tao amin'ny efitra fitahirizana tao amin'ny tranon'i Yaveh ireo.
Ny mpanoratra dia manoratra momban'ny toeran'i Solomona.
Satria Solomona dia mpanajaka, ary ny hafa dia nanao ny asa ho azy.
Raha tsy misy ilay teny "lapa" ny fiteninao, azonao ny mandika izany hoe "trano" na "trano be"
"ny trano dia nantsoina hoe Trano be an'ny alan'ny Libanaona"
Hakiho iray dia mirefy 46 santimetatra. D.H: "46 santimetatra ... 23 santimetatra ... 13,8 metatra"
Ny andry iray dia hazo lava mafy iray nampiasaina nanohanana ireo rindrina sy rihana.
Maro ny antsipirihany nomena momba ny firafitry ny Lapan'ny Alan'ny Libanaona.
D.H: "Ireo mpandrafitra dia nanangana tafo avy amin'ny hazo sedara fisaka ary nametraka ireo tamin'ireo andry"
hazo lava mafy nampiasaina matetika nanohanana ny tafo.
"nisy rafitra mahitsizoro"
Ny mpanoratra dia manoratra momba ny firafitrin'ny efitrano amin'ny tsangam-bato.
karazana andry, mitovy halavana amin'ilay andry hafa.
Ny hakiho iray dia 46 santimetatra. D.H: "23 metatra ... 13,8 metatra"
faritra iray amin'ny trano vita amin'ny andry sy ny tafo izay hapetraka sy ampifandraisana amin'ny varavaran'ny fidiran'ny trano.
Ny mpanoratra dia manoratra momba ny rindrin'ny seza fiandrihanana rehetra.
Mety midika hoe 1) "Solomona dia nanangana trano amin'izay nandehanany hametrahana ny seza fiandrianana" na 2) "Solomona dia nanana ny mpiasany nanangana trano nantsoina hoe Tranon-tsezan'ny Mpanajaka."
D.H: "Ireo mpiasa dia nandrakotra ny rihana tamin'ny hazo sedara."
Ity dia maneho ny rihana manontolo. D.H: "avy amin'ny rindrina iray ka hatrany amin'ny manodidina"
Ny mpanoratra dia mitohy manoratra ny faritry ny lapa.
D.H: "Solomona dia nanana olona namolavola ny trano tao amin'izay nitoerany, tao amin'ny kianja hafa miaraka misy ireo tanin-dapa, tamin'ny fomba mitovy."
Ny mpanoratra dia manoratra momba ireo vato nampiasaina ho an'ny fananganana.
D.H: "Ireo mpiasa dia nandravaka ireo trano sady lafo vidy tamin'ireo vato voapaika"
D.H: "vato voapaika, izay tsara refin'ireo mpiasa sy voatapaka tamin'ny tsofa ary nalamina."
D.H: "Ireo mpiasa dia nampiasa ireo vato ireo."
Ny mpanoratra dia manamafy fa ireo mpiasa dia nampiasa ireo vato lafo vidy ho an'ny fototra sy fanananganana rehetra.
D.H: "Ireo mpiasa dia nanao fototra."
Ny hakiho iray dia mirefy 46 santimetatra. D.H: "3,7 metatra ary 4,6 metatra"
Ny andry iray dia singan-kazo lava nanmpiasaina ho an'ny rafitry ny fanohanana.
Andry iray dia singan-kazo lava mavesatra nampiasaina hanohanana ny fototra iray.
Nanaiky ny fanasan'i Solomona ho any Jerosalema i Hirama.
Ny mpitondra tena dia vehivavy iray izay maty vady, ary fantantsika fa maty ny ray.
Ireo teny hoe "fahendrena sy fahazavan-tsaina" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary nampiasaina hanasongadinana miaraka. Ny fanomezan'i Yaveh ireo zavatra ireo tahaka ny fahendrena dia voalaza toy ny ranon-javatra izay nararak'i Yaveh tao main'ny fitoeran-javatera iray, ary Hirama dia voalaza toy izany fitoeran-javatra izany. D.H: "Yaveh efa nanome fahendreana, fahazavan-tsaina, ary fahaizana ho an'i Hirama"
Ny hakiho iray dia mirefy 46 santimetatra. D.H: "eo ho eo amin'ny 8,3 metatra ... 5,5 metatra ... "2,3 hakio"
Ny manodidina dia elanelana na fandrefesana ny manodidina ny zavatra rakibolana na faritra.
Haingo eo an-tampon'ny andry tsirairay
Kosehin'izy ireo ny varahina mba hanjelatra toy ny masoandro. "varahina kely" (UDB)
"metaly ravin-tenona miara-miampita sy rojo metaly miaraka ratsy"
Ny ampongamben-danitra dia voankazo mafy, mena ary be ranony ireo voany ao anatiny. Tsy dia tena mampiasa ny ampongamben-danitra ny olombelona mba hanaingona ireo andry. Fa ataony amin'ny varahina izany.
Ny lilia dia zava-maniry izay malalaka amin'ny lafiny iray ary tena tery amin'ny lafiny iray. D.H: "Nanaingo ireo kapitaly i Hirama ... tamin'ireo lilia varahina, efatra hakiho ny hahavony"
Adikao toy ny ao amin'ny 7:6 ny hoe "lavarangana"
Ny hakiho iray dia mirefy 46 santimetatra. D.H: "eo ho eo amin'ny 1,6 metatra"
"Ampongamben-danitra 200" Ny ampongamben-danitra dia voankazo mafy, mena ary be ranony ireo voany ao anatiny. Adikao toy ny ao amin'ny 7:18
Mety tsara ny nandikana izany mba hahatakaran'ny mpamaky fa nanampy an'i Horama nanao izany zavatra izany ny olona sasany.
D.H: "Ny anaran'ilay andry iray teo amin'ny lafiny ankavanana dia nantsoina hoe Jakina"
D.H: "Ny anaran'ilay andry teo amin'ny lafiny ankavia dia nantsoina hoe Boaza"
D.H: "Ny olon'i Hirama no nanaingo ireo andry"
Izany dia manondro tanky varahina na kovetabe izay afaka mitazona rano.
Nanatsonika ny varahina i Hirama ary nanao izany tao anaty lasitra.
Ny hakiho iray dia mirefy 46 santimetatra. D.H: "'4,6 metatra ... 2,3 metatra ... 13,8 metatra"
"eo amin'ny sisiny iray mankany amin'ny sisiny iray hafa"
Ny manodidina dia elanelana na fandrefesana ny manodidina ny zavatra rakibolana na faritra.
Ny tanatanamanga dia karazany mafy, legioma boribory izay maniry eo amin'ny voaloboka eo amin'ny tany .
D.H: "raha nanambatra ny Koveta i Hirama"
Izany dia manondro tanky varahina na kovetabe izay afaka mitazona rano.
"teo amin'ny tendron'ny"
D.H: "Ireo mpiasan'i Hirama dia nametraka teo an-tampon'ilay omby varahina"
Izany dia ny faritra aoriana amin'ny vatan'ny biby izay manana tongotra efatra.
D.H: "Naorin'i Hirama ny sisiny hitovy amin'ny sisin'ny kaopy, mba hamoa toy ny lilia"
Bata iray dia marim-pandrenesana mitovy eo amin'ny 22 litatra eo. D.H: "2,000 bata" na "44,000"
Ny hakiho iray dia misy 46 santimetatra. D.H: "eo amin'ny 1.8 metatra eo ... eo amin'ny 1.4 metatra eo"
Ity dia midika fa ny mpanoratra dia mamaritra ny fanaovana ao amin'ireo teny manaraka azy.
Nisy fampihaingoana ireo singa amin'ny endrik'ireo liona, omby ary kerobima nandravahana ny sisiny rehetra.
Eto ny teny "fehiloha" dia maneho ny endrika mihoriran'ny singam-barahana.
Ireo dia tanan-kodia iray ho an'ireo vadin-kodia tsirairay. D.H: "kodia varahina efatra sy tanan-kodia roa"
"ny sisiny efatra isakin'ny tsanganany"
Isaky ny tohana dia natao ho singa tsirairay miaraka amin'ny fehiloha. D.H: "Hirama dia nanao ireo tohana amin'ny endrika mihoriran'ireo singa"
Ny hakiho iray dia 46 santimetatra. D.H: "eo amin'ny 70 santimetatra eo ... eo amin'ny 50 santimetatra eo"
Eto ny teny "satro-boninahitra" dia maneho singa boribory eo an-tapon'ny fisokafan'ny tsanganana izay mitazona ny koveta.
"ny takelak'ireo tsanganana dia efa-joro." Ity andianteny ity dia miverina amin'ny famaritana ireo takelaka tany am-piandohana."
Eto ny teny "ireo" dia maneho ireo tanan-kodia. Ny teny "fitoerany" dia maneho ny toerana ao amin'izay hidiran'ireo tanan-kodia.
Ny hakiho iray dia 46 santimetatra. D.H: "manodidina ny 70 santimetatra."
D.H: "Nataon'i Hirama toy ny kodian-kalesy kely ireo kodia."
Eto ny teny "ireo" dia maneho ireo kodia.
"Nisy sorony avy isaky ny zorony eftran'ny tsanganana tsirairay."
Ny hakiho iray dia 46 santimetatra. D.H: "telo amby roapolo santimetatra ny velarany"
D.H: "Hirama dia namatotra ireo tohana sy ireo takelaka teo an-tampon'ny tsanganana tsirairay."
Eto ny teny "ireo" dia maneho ireo kerobima, ireo liona, ary ireo hazo rofia.
Ny teny "fehiloha" maneho endrika mihorirana amin'ny singam-barahina. D.H: "nisy fehiloha nanodidina ireo"
D.H: "Hirama dia nanefy ireo tsanganana tamin'ny lasitra mitovy"
"ny tsanganana rehetra dia mitovy halava sy endrika."
Ny bata iray dia marim-pandrefesana mitovy manodidina ny 22 litatra eo. D.H: "manodidina ny 88 litatra" na "manodidina ny 90 litatra."
Ny hakio iray dia 46 santimetatra. D.H: "manodidina ny 1.8 metatra eo"
"teo atsimo atisananan'ny zoron'ny tempoly"
toy ny kapitaly. Ilay kapitaly izay miendrika lovia.
"vy fisaka miraikitra miaraka amin'ny fatana"
"apongaben-danitra 400." Ny apongaben-danitra dia voankazo mafy, mena sady maro voa be ranony ao anatiny.
Eto ny teny "izy" maneho an'i Hirama sy ireo mpanampy azy.
"ireo fampiharana rehetra."
varahana izay nokosehina mba ho taratrin'ny hazavàna
Mety ho dikan-teny tsara indrindra izany mba hatakaran'ireo mpamaky fa ny olon-kafa dia nanampy an'ny mpanjaka nanao izany.
"tany fisaka akaikin'ny Reniranon'ny Jordana"
anaran-tanàna
Solomona dia tsy mbola nahavita ny asa tamin'ny fomba rehetra. D.H: "Solomona dia tsy mbola nanana an'i Hirama ary ireo mpiasany dia nandaja ireo fitaovana rehetra."
D.H: "tsy misy na iray afaka handrefy ny lanjan'ny varahina"
Mety ho dikan-teny tsara indrindra izany mba hatakaran'ireo mpamaky fa ny olon-kafa dia nanampy an'ny mpanjaka nanao izany.
D.H: "teo amin'ireo mpisorona izay nametraka ny mofon'ny fanatrehana"
Ny "voninkazo" sy "jiro" dia anisan'ireo fitoeran-jiro.
D.H: "Nanamboatra ireo kapoaka ny mpiasa ... amin'ny volamena madio"
D.H: "Nanamboatra ireo savily ... amin'ny volamena madio izy ireo"
Eto ny "savily" dia ampitahana amin'ny 1) ireo savily izay eo amin'ny varavarana no miantona, na 2) ireo fanantonana izay iantonan'ny varavarana.
D.H: "Vitan'ireo mpiasa ny asa izay napanaovin'i Solomona azy ireo ho an'ny tranon'i Yaveh"
1 Ary Solomona namory ireo loholon'Israely, ireo mpitariky ny foko rehetra, ary ireo lohan'ny fianakavian'ny vahoakan'Israely, teo anatrehany tao Jerosalema, mba hitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh hiakatra avy any amin'ny tanànan'i Davida, izany hoe, i Ziona. 2 Nivory teo anatrehan'i Solomona Mpanjaka tao amin'ny lanonana avokoa ny olon'Israely rehetra, tamin'ny volana Etanima, izay volana fahafito. 3 Tonga avokoa ireo loholon'Israely rehetra, ary nampiakarin'ireo mpisorona ny fiara. 4 Nentin'izy ireo niakatra ny fiaran'i Yaveh, ny trano lay fihaonana, ary ireo fanaka masina rehetra izay tao anaty lay. Nentin'ireo mpisorona sy ireo Levita niakatra avokoa ireo zavatra rehetra ireo. 5 Niara-nankeo anoloan'ny fiara avokoa i Solomona Mpanjaka sy ny fivondronan'Israely rehetra, nanao sorona ondry sy omby tsy tambo isaina. 6 Nampidirin'ireo mpisorona teo amin'ny fitoerany ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, tao amin'ny efitra anatin'ny trano, dia tao amin'ny toerana masina indrindra, ambany elatr'ireo Kerobima. 7 Fa namelatra ny elany teo amin'ny fitoeran'ny fiara ireo kerobima, ary nanarona ny fiara sy ny bao izay nilanjana azy izany. 8 Lava tokoa ireo bao hany ka hita avy eo amin'ny fitoerana masina teo anoloan'ny efitra anatiny ny tendrony, saingy tsy hita avy eny ivelany ireo. Ary mbola eo ireo mandrak'ankehitriny. 9 Tsy nisy na inona na inona tao amin'ny fiara afa-tsy ireo vato fisaka roa izay napetrak'i Mosesy tany Horeba, fony Yaveh nanao fanekena tamin'ny olon'Israely rehefa nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ireo. 10 Ary rehefa nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ireo mpisorona, dia nameno ny tempolin'i Yaveh ny rahona. 11 Tsy afa-nitsangana hanompo ireo mpisorona nohon'ny rahona, fa nameno ny tranony ny voninahitr'i Yaveh. 12 Dia hoy Solomona hoe: "Nambaran'i Yaveh fa honina ao anaty aizim-pito Izy, 13 kanefa nanorina trano tsara taraehy ho Anao aho, dia toerana honenanao mandrakizay." 14 Dia nitodika ny mpanjaka ary nitso-drano ny fivondronan'Israely rehetra, raha teo am-pitsanganana ny fivondronan'Israely rehetra. 15 Hoy izy hoe: "Ho deraina anie Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, izay niteny tamin'i Davida raiko, ary nahatanteraka izany tamin'ny tanany ihany, nanao hoe: 16 "Hatramin'ny nitondrako ny vahoakako nivoaka avy tao Egypta, dia tsy nifidy tanàna teo amin'ny fokon'Israely rehetra hanorenana trano Aho, mba hitoeran'ny anarako ao. Kanefa, nifidy an'i Davida mba hanapaka eo amin'ny Israely oloko Aho.' 17 Ary tao am-pon'i Davida raiko ny hanorina trano ho an'ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. 18 Fa hoy i Yaveh tamin'i Davida raiko hoe: 'Fa nataonao tao am-ponao ny hanorina trano ho an'ny anarako, dia tsara ny nanaovanao izany tao am-ponao. 19 Na izany aza dia tsy hanorina ilay trano ianao; fa kosa, ny zanakao lahy, izay teraka avy amin'ny voanao, no hanorina ny trano ho an'ny anarako.' 20 Notanterahin'i Yaveh ny teny izay nolazainy, fa nitsangana handimby ny toeran'i Davida raiko aho, ka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely, araka ny nampanantenain'i Yaveh. Naoriko ho an'ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ny trano. 21 Efa nanamboatra fitoerana ho an'ny fiara any aho, izay misy ny faneken'i Yaveh, izay nataony tamin'ireo razantsika fony nitondra azy ireo nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta Izy." 22 Nijoro teo anoloan'ny alitaran'i Yaveh i Solomona, teo anatrehan'ny fivondronan'Israely rehetra, ary namelatra ny tanany ho any amin'ny lanitra. 23 Hoy izy hoe: "Ry Yaveh, Andriamanitr'Israely o, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na any amin'ny lanitra ambony na ety an-tany ambany, izay mitàna ny tsy fivadiham-panekeny amin'ireo mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony manontolo; 24 Ianao izay nitàna ny fampanantenanao tamin'i Davida raiko mpanomponao. Eny, niteny tamin'ny vavanao Ianao ary notanterahinao tamin'ny tananao izany, tahaka ny androany. 25 Ankehitriny ary, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, tanteraho izay nampanantenainao tamin'i Davida raiko mpanomponao, rehefa niteny Ianao hoe: 'Tsy ho foana aminao ny hanana olona hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely eo imasoko, raha mitandrina ny handeha eo anatrehako ny taranakao, tahaka ny nandehananao teo anatrehako.' 26 Ankehitriny ary, ry Andriamanitr'Israely, mivavaka aho mba ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin'i Davida raiko mpanomponao. 27 Fa tena honina ety an-tany tokoa ve Andriamanitra? Indro, iza tontolo izao sy ny lanitra aza tsy omby Anao—mainka fa ity tempoly izay naoriko ity! 28 Kanefa mba henoy re ity vavaky ny mpanomponao sy ny fangatahany ity, ry Yaveh Andriamanitro; mihainoa ny antso sy ny vavaka ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao anio. 29 Enga anie ka hisokatra amin'ity tempoly ity andro aman'alina ny masonao, eo amin'ny toerana izay nilazanao hoe: "Ho ao ny anarako sy ny fanatrehako.'—mba hihainoana ny vavaka hataon'ny mpanomponao izay manatrika ity toerana ity. 30 Koa mihainoa ny fangatahan'ny mpanomponao sy ny Israely olonao rehefa mivavaka manatrika ity toerana ity izahay. Eny, mihainoa avy any amin'ny toerana honenanao, avy any an-danitra; ary rehefa mihaino Ianao, dia mba mamelà. 31 Raha manota amin'ny namany ny olona iray ka tsy maintsy hampanaovina fianianana, ary raha tonga ka manao fianianana eo anatrehan'ny alitaranao ato amin'ity trano ity izy, 32 dia mihainoa avy any an-danitra ka miasà; tsarao ireo mpanomponao, mba hanameloka ny meloka ary hampanody izay nataony ho eo amin'ny lohany ihany, ary hanambara ny marina mba ho tsy manan-tsiny, sy hamaly soa azy nohon'ny fahamarinany. 33 Rehefa resin'ny fahavalo ny Israely olonao satria nanota taminao, ka raha miverina aminao izy ireo, manaiky ny anaranao, mivavaka, ary mangataka famelana avy aminao ato amin'ity tempoly ity— 34 dia mihainoa any an-danitra re ary mamelà ny fahotan'ny Israely olonao; ento miverina any amin'ny tany izay nomenao ny razany izy ireo. 35 Raha mihidy ny lanitra ka tsy misy orana satria nanota taminao ny vahoaka—raha mivavaka manatrika ity toerana ity izy ireo, manaiky ny anaranao, ary miala amin'ny fahotany rehefa avy nampahorianao— 36 dia mihainoa any an-danitra ary mamelà ny fahotan'ny mpanomponao sy ny Israely olonao, rehefa mampianatra azy ireo ny lalana tsara izay tokony halehany Ianao. Mandatsaha orana eo amin'ny taninao, izany nomenao ho lovan'ny olonao. 37 Raha atao hoe misy mosary eo amin'ny tany, na atao hoe misy areti-mandringana, fahamainan'ny vary na maty fotsy, valala na sompanga; na atao hoe misy fahavalo manafika ny vavahadin'ny tanàna ao amin'ny tanin'izy ireo, na misy loza na aretina— 38 ary raha atao indray hoe misy vavaka sy fangatahana nataon'ny olona iray na ny Israely vahoakanao manontolo— izay samy mahalala ny loza any am-pony avy raha mamelatra ny tanany ho amin'ity tempoly ity izy. 39 Dia mihainoa any an-danitra, ilay toerana honenanao, mamelà ary miasà, ary valio soa ny olona rehetra noho izay ataony; Ianao mahalala ny fony, fa Ianao dia Ianao ihany no mahalala ny fon'ny olombelona rehetra. 40 Ataovy izany mba hahatahoran'izy ireo Anao amin'ny andro rehetra hiainan'izy ireo eo amin'ny tany izay nomenao ny razanay. 41 Fanampin'izany, mahakasika ireo vahiny izay tsy anisan'ny Israely vahoakanao: raha tonga avy any amin'ny firenen-davitra izy nohon'ny Anaranao— 42 fa handre momba ny anaranao lehibe, ny tananao mahery, ary ny sandrinao misandratra izy ireo— rehefa tonga sy mivavaka manatrika ity tempoly ity izy ireo, 43 dia mihainoa re any an-danitra, izay toerana honenanao, ary ataovy izay rehetra angatahin'ilay vahiny aminao. Ataovy izany mba hahafantaran'ny vondron'olona rehetra eto an-tany ny anaranao ka hahatahoran'izy ireo Anao, araka ny ataon'Israely olonao manokana. Ataovy izany mba hahafantaran'izy ireo fa ity trano izay naoriko ity dia antsoina amin'ny anaranao. 44 Raha atao hoe mandeha mivoaka hiady amin'ny fahavalo ny olonao, na inona na inona fomba nandefasanao azy ireo, ary raha mivavaka aminao, Yaveh, manatrika ny tanàna izay voafidinao izy ireo, ary manatrika ny trano izay naoriko ho an'ny anaranao. 45 Dia mihainoa ny vavaka sy ny fangatahan'izy ireo any an-danitra, ary omeo rariny izy. 46 Raha atao hoe manota aminao izy ireo, satria tsy misy olona tsy manota, ary raha atao hoe tezitra amin'izy ireo Ianao ka manolotra azy ireo ho eo amin'ny fahavalo, ka alain'ny fahavalo ho babo ho any amin'ny taniny izy ireo, na lavitra na akaiky. 47 Ary raha atao hoe tsaroan'izy ireo fa any amin'ny tany izay nanaovana sesin-tany azy izy ireo, ary raha atao hoe mibebaka izy ireo ka mitady sitraka aminao any amin'ny tanin'ireo nambabo azy ireo. Raha miteny izy ireo hoe: 'Nanao zavatra tsy nety izahay ary nanota. Ratsy fitondran-tena izahay.' 48 Ka miverina aminao amin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo any amin'ny tanin'ireo fahavalony izay nambabo azy izy ireo, ary raha atao hoe mivavaka aminao manandrify ny taniny, izay nomenao ny razan'izy ireo, ary manandrify ny tanàna izay nofidinao izy ireo, ary manandrify ny trano izay naoriko ho an'ny anaranao. 49 Dia mihainoa ny vavak'izy ireo sy ny fangatahan'izy ireo famonjena, any an-danitra, izay toerana honenanao, ary hanamarina ny raharaha ho azy ireo Ianao. 50 Mamelà ny olonao, izay nanota taminao, sy ny fahotany rehetra izay nandikany ny didinao. Mihantrà azy ireo manoloana ny fahavalony izay nitondra azy ho babo, mba hiantran'ny fahavalon'izy ireo ny vahoakanao ihany koa. 51 Vahoakanao izay nofidianao izy ireo, izay navotanao avy tany Egypta toy ny avy tao amin'ny fatana fandrendreham-by. 52 Mivavaka aho mba hisokatra amin'ny fangatahan'ny mpanomponao sy ny fangatahan'ny Israely olonao ny masonao, mba hihaino azy ireo na oviana na oviana hiantsoany Anao. 53 Fa navahanao teo amin'ireo vahoakan'ny tany rehetra izy ireo mba ho Anao ary handray ireo fampanantenanao, araka ny nazavainao tamin'ny alalan'i Mosesy mpanomponao, fony nitondra ny razanay nivoaka an'i Egypta Ianao, ry Tompo Yaveh." 54 Koa rehefa avy nanao izany vavaka sy fangatahana rehetra izany tamin'i Yaveh i Solomona, dia nitsangana avy teo anoloan'ny alitaran'i Yaveh izy, rehefa avy nandohalika sy namelatra ny tanany nanatrika ny lanitra. 55 Nitsangana izy ary nitso-drano ny fivondronan'Israely rehetra tamin'ny feo mafy, nanao hoe: 56 "Deraina anie Yaveh, ilay nanome fitsaharana ho an'Israely olony, tamin'ny fitanany ny fampanantenany rehetra. Tsy nisy teny latsaka avy tamin'ny fampanantenana soan'i Yaveh izay nataony tamin'i Mosesy mpanompony. 57 Homba antsika anie Yaveh Andriamanintsika, tahaka ny nombàny an'ireo razantsika. 58 Tsy handao antsika anie Izy na hahafoy antsika, mba hampitongilaniny ho Aminy ny fontsika, mba hiaina amin'ny lalany rehetra sy hitandrina ireo didy aman-dalàny ary ireo fitsipiny, izay nandidiany an'ireo razantsika. 59 Aoka ireo teny izay nambarako, izay nangatahiko teo anatrehan'i Yaveh, ho akaikin'i Yaveh Andriamanitsika andro aman'alina, mba hanomezany rariny ny mpanompony sy ny Israely olony, araka izay ilaina isan'andro; 60 mba ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany fa i Yaveh, no Andriamanitra, ary tsy misy Andriamanitra hafa! 61 Koa aoka ho marina amin'i Yaveh Andriamanitsika ny fonareo, mba handeha eo amin'ny lalàny ary hitandrina ireo didiny, tahaka ny anio." 62 Koa dia nanolotra sorona ho an'i Yaveh ny mpanjaka sy ireo Israely rehetra niaraka taminy. 63 Nanolotra sorona fanati-pihavanana i Solomona, izay nataony ho an'i Yaveh: omby roa arivo sy roa alina ary ondry 120. 000. Koa dia notokanan'ny mpanjaka sy ireo vahoakan'Israely rehetra ny tranon'i Yaveh. 64 Ny andron'io ihany dia natokan'ny mpanjaka ny afovoan'ny kianja teo anoloan'ny tempolin'i Yaveh, fa teo no nanolorany ny fanatitra dorana, ny fanatitra vary, ary ny tavin'ny fanati-pihavanana, satria kely loatra raha handraisana ny fanatitra dorana, ny fanatitra hohanina, ary ny tavin'ireo fanati-pihavanana ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Yaveh. 65 Koa nataon'i Solomona, mbamin'ireo Israely rehetra niaraka taminy, izay fivondronam-be, hatrany Lebo-hamata ka hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Egypta, teo anatrehan'i Yaveh Andriamanitsika nandritra ny fito andro ary nandritra ny fito andro hafa koa, izay mira efatra ambin'ny folo andro ny lanonana tamin'izany fotoana izany. 66 Ary tamin'ny andro fahavalo dia nampody ireo vahoaka izy, ary nitso-drano ny mpanjaka izy ireo ka nody tany an-tranony tamin'ny fo ravoravo sy falifaly nohon'ny amin'ny fahatsarana rehetra nasehon'i Yaveh tamin'i Davida mpanompony, ary tamin'Israely olony.
"Nantsoina daholo ireo mpirarika ny Israely"
Ity dia afaka ampitahana 1) amin'ny olona izay nantsoin'i Solomona tany Jerosalema ary izay voaray an-tsoratra ao amin'ny 8:2 na 2) ireo izay niasa tany Jerosalema tamin'ny lanonana tsy dia tena hoe ireo lehilahy rehetra izay nipetraka tany Israely.
Ity dia fampitahana amin'ny Fetin'ny Sokota, na koa fantatra toy ny Fetin'ny Tabernakely na Fetin'ny Fialofana (UDB).
"Etamina" dia volana fahafito amin'ny kalandrie Hebreo. Izany dia mandritra ny tapany farany amin'ny volana Septambra sy ny tapany voalohany amin'ny volana Octobra amin'ny kalandrie tandreana.
Izany dia mitovy amin'ny taranaka ihany.
D.H: "Ondry sy omby maro izay tsy ho vitan'ny olona ny hanisa azy"
"tao amin'ny efitra anatin'ny trano—izany dia, tao amin'ny toerana masina indrindrav—ambany"
D.H: "bao izay nilanjan'ireo mpisorona izany"
D.H: "tsy misy afaka mahita ireo"
Izany dia midika hoe tamin'ny andro izay nanoratan'ny mpanoratra.
Ity andian-teny ity eto dia nanamarihana hetsika izay tena nanan-danja teo amin'ny tantara. Raha nanana lalana anaovana izany ny asa-soratrao, dia afaka nampiasa izany anao teto .
Miresaka amin'i Yaveh i Solomona ohatran'ny hoe miresaka amin'olon-kafa izy mba hanehoana fa manaja an'i Yaveh izy.
Trano be tsara tarehy izay onenan'ny olona manana ny maha izy azy.
Ity dia amin'ny ankapobeny.
D.H: "Derao i Yaveh, Andriamanitry ny Israely"
Ny tanana dia sarinteny ho an'ny herin'ny tanana. D.H: "amin'ny heriny manokana"
Ny teny hoe "anarana" dia sarinteny ho an'ny olona, sy "ho ... anarana" dia maneho amin'ny fanompoana olona. D.H: "mba hanompoan'ny olona ahy"
Izay nirian'i Davida dia voalaza toy zavatra ao fitoerany ary fo toy fitoeran-javatra iray. D.H: "Davida raiko dia naniry ... naniry ianao ... naniry ny anao izany ianao"
Ny teny hoe "anarana" dia sarinteny ho an'ny olona, sy" ho ... anarana" dia maneho amin'ny fanompoana olona. D.H: " amin'izay hanompoan'ny olona an'i Yaveh ... amin'izay hanompoan'ny olona ahy"
"Satria naniry ianao"
"faniriana anatanteraka izany"
D.H: "iray izay ho zanakao manokana" na "iray izay ny tenanao no ray"
Izany dia fomba fiteny D.H: "nataony tanteraka izay nolazainy fa ho ataony"
Ny hahavony dia fanoharana amin'ny fahefana. D.H: "Nahazo ny fahefana izay nananan'i Davida raiko aho"
Ny seza fiandrianana dia sarinteny ho an'ny asan'ny olona izay izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana. D.H: "Manapaka eo amin'ny Israely aho"
Ny teny hoe "anarana" dia sarinteny ho an'ny olona, sy" ho ... anarana" maneho amin'ny fanompoana olona. D.H: " amin'izay hanompoan'ny olona an'i Yaveh"
Ny vato fisaka izay nanoratan'i Yaveh ireo fanekena dia nolazaina toy ny hoe fanekena ho an'ny tenany ireny. D.H: "dia ireo vato fisaka izay nanoratan'i Yaveh ireo fanekena izany"
Ity dia amin'ny ankapobeny.
Ny tanana dia sarinteny ho an'ny hery. D.H: "Tamin'ny herinao no nanantanterahinao izay nolazainao"
Ny fomba fiainan'ny olona dia nambara ho toy ny fomba fandehanany eny an-dalana. D.H: "mizotra amin'ny fony manontolo amin'ny lalana izay irinao ho azy ireo"
ny seza fiandrianana dia sarinteny ho an'ny asan'ny olona izay izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana. D.H: "Manapaka eo amin'ny Israely"
Ny fomba fiveloman'ny olona dia nambara ho toy ny olona izay mandeha eny an-dalana. D?H: "mizora amin'izay iriako ho anao ... nizotra tamin'izay niriako ho anao"
Ny mety ho valin'izany fanontaniana izay dia 1) Manontany fanontaniana tena izy i Solomona ary manantena valina na 2)ny fanontaniana dia fampisainana ary i Solomona dia voasongadina fa Andriamanitra dia ngeza tokoa ary tsitoha mba honina eto an-tany. D.H: "Nefa azo antoka fa tsy ho izany satria Andriamanitra monina eto amin'ny tany ankehitriny!"
D.H: "Fa tena ianao?"
"Izay lazaiko izao dia tena manan-danja" na "izao no fahamarinana"
"ianao, ka ity tempoly izay efa naoriko ity dia tsy ho afaka tanteraka."
Ny teny "vavaka" sy "fangatahana" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy fa tena hentitra izy amin'ny fangatahany. Maneho ny tenany ho "mpanomponao" i Solomona hanehoany fa manaja an'i Yaveh izy. D.H: "hajao aho, sy ireo mpanomponao, mba hanaovako ity fangatahana ity."
Ny teny "antso" sy "vavaka" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy fa hentitra izy araka izay angatahany amin'i Yaveh hanampiany azy. Solomona dia maneho ny tenany ho "mpanomponao" anehoany fa izy dia mankatò an'i Yaveh. D.H: "Mihanoa ahy, sy ireo mpanomponao, mba hiantsoako anao hanampy ahy anio."
D.H: "Mba hahita ny manodidina ny masonao"
D.H "ny fotoana rehetra" na "mandrakizay"
Ireto teny roa miaraka ireto dia maneho fa i Yaveh dia hitoetra ao amin'ny tempoly.
Milaza ny tenany i Solomona amin'ny hoe "mpanomponao" mba hanehoana ny fanajany an'i Yaveh. D.H: "mba hahafahako, izaho mpanomponao, mivavaka"
Milaza ny tenany i Solomona amin'ny hoe "mpanomponao" mba hanehoana ny fanajany an'i Yaveh. D.H: "mihainoa ny fangatahako sy ny fangatahan'ny Israely olonao"
D.H: "misy olona mampanao fianianana azy"
D.H: "eo aminy"
"hanomezana azy izay ilainy satria tsy manan-tsiny izy"
D.H: "ny Israely olonao dia resin'ny fahavalo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "manaiky fa nanota taminao izy ireo" na 2) "midera anao" na 3) "milaza fa hankatoa anao izy ireo manomboka ankehitriny."
D.H: "mangataka anao mba hamela heloka azy ireo"
Ny lanitra dia ambara fa toy ny trano be izay fandatsahan'Andriamanitra ny orana. D.H: "tsy avelanao hilatsaka ny orana"
Ireo mety ho heviny dia 1) "manaiky fa nanota taminao izy ireo" na 2) "midera anao" na 3) "milaza fa hankatoa anao izy ireo manomboka ankehitriny."
Ny fomba fiainan'ny olona dia ambara ho toy ny fomba fandehan'ny olona D.H: "izay tokony iainan'izy ireo"
Ireo dia fomba fiteny ara-mpambolena izay anehoana ny tsy famokaran'ny vokatra tsirairay noho ny hakelin'ny orana na noho ny habetsakin'ny orana.
Ny "valala" dia karazana valala izay manimba ny vokatra amin'ny fihinanana ny vokatra. Ny teny hoe "sompanga" dia anambarana ireo valala izay lehibe kokoa.
D.H: "olona iray, na ny olon'ny Israely rehetra, no mangataka sy mivavaka"
ireo teny "vavaka" sy "fangatahana" dia manambara zavatra mitovy ary maneho fa tso-po ny rehefa mangataka. teny mitovy amin'izany voalaza any amin'ny andininy 8:27 D.H: "fangatahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) "mahalala ny fahotany ao am-pony" na "mahalala ao am-pony fa ny areti-mandringana dia vokatry ny fahotany ihany."
Ireo teny roa ireo dia manambara zavatra mitovy ary maneho ny fahefan'Andriamanitra.
Ny andian-teny hoe "antsoina amin'ny anaranao" dia manondro ny olona izay tompon'ny trano manontolo. D.H: "anao manontolo ity trano izay naoriko ity"
Raha niteny i Solomona, dia tsy nitranga izao fotoana izao, nefa fantatr'i Solomona fa mety hitranga amin'ny ho avy izany. Ampiasao amin'ny fiteninao fa miresaka momban'ny hetsika izay tsy mbola niseho nefa mety hiseho amin'ny ho avy.
Ny teny hoe "anarana" dia sarinteny ho olona mpidera. teny mitovy amin'izany voalaza any amin'ny andininy 3:1 D.H: "izay hideran'ny olona anao"
ireo teny "vavaka" sy "fangatahana" dia manambara zavatra mitovy ary maneho fa tso-po ny rehefa mangataka. teny mitovy amin'izany voalaza any amin'ny andininy 8:27 D.H: "ny fangatahan"izy ireo"
Raha niteny i Solomona, dia tsy nitranga izao fotoana izao, nefa fantatr'i Solomona fa mety hitranga amin'ny ho avy izany. Ampiasao amin'ny fiteninao fa miresaka momban'ny hetsika izay tsy mbola niseho nefa mety hiseho amin'ny ho avy.
D.H: "izay nanaovan'ireo fahavalony sesitany azy ireo"
olona izay mitazona olona ho gadra
Ireo teny roa ireo dia manambara zavatra mitovy. Maneho ny haratsian'ny fihetsikin'ny olona ireo.
Ireo teny ireo dia manambara zavatra mitovy sy maneho ny haratsin'ny fahotan'ny olona.
Ny fomba fiteny hoe "amin'ny ...fo manontolo" dia midika hoe "tanteraka" sy "amin'ny ... fanahy manontolo" dia midika hoe "amin'ny ... momba rehetra". Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy hevitra. Toy ny ao amin'ny andininy 2:1. D.H: " amin'ny momba azy manontolo" na "amin'ny heriny manontolo"
"raha nonina teto amin'ny tany izy ireo"
"Tandrifin'ny tanin'izy ireo." anambarana ny Israely izany.
Ny teny hoe "anarana" dia sarinteny ho an'ny olona, ary "ho an' ... anarana" dia anambarana ny fiderana ny olona. Teny mitovy ao amin'ny andininy 3:1 D.H: "izay hideran'ny olona anao"
ireo teny "vavaka" sy "fangatahana" dia manambara zavatra mitovy ary maneho fa tso-po ny rehefa mangataka. teny mitovy amin'izany voalaza any amin'ny andininy 8:27
Nangataka in-droa tamin'i Yaveh i Solomona mba hamela ny helokin'ny olona. Izany dia manasongadina ny fahazotoany mangataka.
D.H: "fatana izay fandrendrehan'ny olona vy"
D.H: "mba hitandrina ianao"
ireo teny "vavaka" sy "fangatahana" dia manambara zavatra mitovy ary maneho fa tso-po ny rehefa mangataka. teny mitovy amin'izany voalaza any amin'ny andininy 8:27
D.H: "Miderà an'i Yaveh"
D.H: "Nohamarinin'i Yaveh avokoa izay rehetra teny fampanantenany"
Ireo andian-teny roa ireo dia manambara tokoa fa zavatra roa no asongadin'ny fanirian'i Solomona amin'i Yaveh dia ny mba ho eo amin'ny olona mandrakariva.
Faniriana mba ho ankasitrahan'ny olona amin'ny fampitongilanana ny fo ho amin'izany olona izany D.H: "manao izay ankasitrahany antsika"
Eto ny hoe "amin'ny lalany rehera" dia fomba fiteny izay anehoana ny lalana izay tian'ny olona iainana. D.H: "miaina amin'izay takiany hi fomba fiainantsika"
Ity fampisainana ity dia anambarana ihany koa hoe "amin'ny fotoana rehetra" na "mandrakariva".
"meteza ho tanteraka sy feno fanetren-tena"
Ny fombD.H: "ankatoavy mandrakariva ny lalàny"
Ireto taranaka ireto dia afaka ampitahana na 1) amin'ny olona izay nantsoin'i Solomona tany Jerosalema ka nihaino ao amin'ny andininy faha 8:1 na 2) ireo izay namaky an'i Jerosalema tamin'ny lanonana, tsy ireo olona rehetra izay nonina tany Israely nefa.
"ny alitara varahina izay teo amin'ny fanatrehan'i Yaveh." Tamin'ny tempolin'i Yaveh nonina teo amin'ny olony, ny alitra dia voasoritra ho eo amin'ny fanatrehany.
Ireto taranaka ireto dia afaka ampitahana na 1) amin'ny olona izay nantsoin'i Solomona tany Jerosalema ka nihaino ao amin'ny andininy faha 8:1 na 2) ireo izay namaky an'i Jerosalema tamin'ny lanonana, tsy ireo olona rehetra izay nonina tany Israely nefa.
"7 andro ... 7andro ... 14 andro"
Ny teny hoe "valo" dia manana endrika laharan'isa "8".
Ireo teny roa ireo dia manambara zavatra mitovy hevitra ary nampiana mba hitambatra.
1 Rehefa vitan'i Solomona ny fananganana ny tranon'i Yaveh sy ny lapan'ny mpanjaka, ary rehefa nahatanteraka izay rehetra niriany ho vita izy, 2 dia niseho fanindroany tamin'i Solomona i Yaveh, tahaka ny nisehoany taminy tao Gibeona. 3 Ary hoy Yaveh taminy hoe: "Efa reko ny vavakao sy ny fangatahanao izay nataonao teo anatrehako. Efa natokako ho Ahy, ity trano izay natsanganao ity, mba hametrahako ny anarako ho ao mandrakizay. Ny masoko sy ny foko dia ho eo foana amin'ny fotoana rehetra. 4 Ary ianao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehan'i Davida rainao tamin'ny fahitsim-po sy tamin'ny fahamarinana, hankato izay nandidiako anao rehetra ary hitandrina ireo lalàko sy ireo didiko, 5 dia hametraka ny sezan'ny fiandrianan'ny fanjakanao eo amin'ny Israely mandrakizay aho, tahaka ny nampanantenaiko tamin'i Davida rainao, hoe: 'Ny taranakao dia tsy hiala eo amin'ny seza fiandrian'Israely mihitsy.' 6 Fa raha mivily ianao, ianao na ireo zanakao, ka tsy mitandrina ireo didiko sy ireo lalàko izay napetrako eo anatrehanao, ary raha mandeha ka manompo andriamani-kafa ary miankohoka eo amin'izy ireo ianao, 7 dia ho esoriko amin'ny tany izay nomeko azy ireo Israely; ary ity trano izay efa natokako ho an'ny anarako ity, dia ho esoriko tsy ho hitan'ny masoko, ary Israely dia ho tonga tahaka ny zavatra faneso sy hihomehezana eo amin'ireo vahoaka rehetra. 8 Ho rava ho antontam-bato ity tempoly ity, ary izay rehetra mandalo eo amin'izany dia ho gaga ka hisiotsioka. Hanontany izy ireo hoe: 'Nahoana i Yaveh no nanao izao tamin'ity tany sy trano ity?' 9 Ny hafa hamaly hoe: 'Satria nahafoy an'i Yaveh Andriamaniny izy ireo, izay nitondra ny razam-ben'izy ireo nivoaka ny tany Egypta, ary nifikitra tamin'ireo andriamani-kafa ka niankohoka ary nanompo azy ireo. Izany no antony nitondran'i Yaveh izany loza rehetra izany tamin'izy ireo.'" 10 Rehefa tapitra ny roapolo taona izay nahavitan'i Solomona ny fananganana ireo trano lehibe roa, ny tempolin'Yaveh sy ny lapan'ny mpanjaka. 11 Ary Hirama mpanjakan'i Tyra, dia namatsy hazo sedera sy kypreso, ary volamena an'i Solomona- izay rehetra nirian'i Solomona_ ka dia nomen'i Solomona Mpanjaka tanàna roapolo tao amin'ny tanin'i Galilia i Hirama. 12 Nivoaka avy tao Tyro i Hirama mba hijery ireo tanàna izay nomen'i Solomona azy, kanefa tsy nahafaly azy izany. 13 Ary hoy i Hirama: "Fa tanàna inona ireto omenao ahy ireto, ry rahalahiko?" Nantsoin'i Hirama hoe Tany Kobola ireo, izay mbola hiantsoana azy ireo hatrany mandraka androany. 14 Nampanatitra talenta volamena 120 ho an'ny mpanjaka i Hirama. 15 Izao manaraka izao no anton'ny fitakiana amin'ny asa izay napetrak'i Solomona Mpanjaka: mba hananganana ny tempolin'Yaveh sy ny lapany, mba hananganana an'i Milo sy ny rindrin'i Jerosalema, ary ny mba hananganana ny manda fiarovan'i Hazora, Megido, ary Gazera. 16 Niakatra ary naka an'i Gazera i Farao mpanjakan'i Egypta. Nodorany izany ary novonoiny ireo Kananita tao an-tanàna. Ary dia nomen'i Farao an'ny zanany vavy, vadin'i Solomona, ho fanomezana ho an'ny fampiakaram-bady ny tanàna. 17 Ka dia naverin'i Solomona natsangana i Gazera sy Beti-horona Ambany, 18 Baleta sy Tadmora any an'efitra any amin'ny tany Joda, 19 sy ireo tanàna fitehirizana rehetra izay nananany, sy ireo tanànan'ireo kalesiny ary ireo tanànan'ny mpitaingin-tsoavaliny, ary izay rehetra niriany ho atsangana ho fahafinaretany tao Jerosalema, tao Libanona, ary tamin'ny tany rehetra eo ambanin'ny fifehezany. 20 Ary ireo vahoaka rehetra sisa tavela tamin'ireo Amorita, Hitita, Perizita, Hivita, ary Jebosita, izay tsy vahoakan'ny Israely, 21 ireo taranak'izy ireo izay tavela niaraka tamin'izy ireo tao amin'ny tany, izay tsy vitan'ny olon'Israely ny nandrava azy tanteraka_ nataon'i Solomona mpiasa an-terivozona izy ireo, mandraka androan. 22 Na dia izany aza, dia tsy nataon'i Solomona mpiasa an-terivozona ireo vahoakan'ny Israely. Fa kosa, lasa miaramilany sy mpanompony, manam-pahefany, sy manam-boninahiny ary mpifehy ireo kalesiny ary mpitaingin-tsoavaliny izy ireo. 23 Ireto ihany koa ireo lehiben'ny manam-pahefany misahana ireo mpanara-maso izay teo amin'ny asan'i Solomona, 550 tamin'izy ireo, izay nanara-maso ny vahoaka izay niasa. 24 Nifindra avy tao amin'ny tananàn'i Davida mba ho any amin'ny trano izay natsangan'i Solomona ho azy ny zanaka vavin'i Farao. Taty aoriana, dia nanangana an'i Milo i Solomona. 25 Manolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana in-telo isan-taona eo ambonin'ny alitara izay naoriny ho an'i Yaveh i Solomona, mandoro ditin-kazo manitra miaraka amin'ireo eo ambony alitara izay eo anatrehan'i Yaveh. Ka vitany ny tempoly ary ampiasainy izany ankehitriny. 26 Nanamboatra andian-tsambo tao Ezion-gebera i Solomona Mpanjaka, izay akaikin' Elota, teo amoron'ny Ranomasina Mena, tao amin'ny tany Edoma. 27 Nandefa mpanompo ho an'ny andian-tsambon'i Solomona i Hirama, tantsambo izay nahay ny ranomasina, niaraka tamin'ireo mpanompon'i Solomona. 28 Nandeha tany Ofira niaraka tamin'ireo mpanompon'i Solomona izy ireo. Avy any no nitondran'izy ireo talenta volamena 420 ho an'i Solomona Mpanjaka.
ireo teny "vavaka" sy "fangatahana" dia manambara zavatra mitovy ary maneho fa tso-po ny rehefa mangataka. teny mitovy amin'izany voalaza any amin'ny andininy 8:27 D.H: "ny fangatahanao"
Ny "anarana" dia sarinteny ho an'ny olona. D.H: "mba hitoerana ao sy anambarana ny fananana izay mandrakizay"
Ny maso sy ny fo dia fibagoan-teny ho an'ny olona rehetra. D.H: "Hiaro sy hikarakara izany aho"
Ny fomba fiainan'ny olona dia ambara ho toy ny fomba fandehan'ny olona D.H: "Raha miaina amin'ny fiainana izay niriko iainanao ianao, tahaka ny nataon'i Davida rainao"
Ireto andian-teny roa ireto amin'ny ankapobeny dia milaza zavatra mitovy hevitraa sy naneho ny fahamarinan'i Davida.
Eto ny hoe "seza fiandrianana" dia mifandraika amin'ny fanjakany. D.H: "ny tarana-panjakanao" na "ny fanjakanao"
Ny asa amin'ny fanapahana eo amin'ny fanjakana dia ambara raha olona mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana izany. Afaka ambara amin'ny fomba tsara kokoa. D.H: "hanapaka mandrakizay eo amin'ny Israely"
Eto ireo teny hoe "didy" sy "lalàna" amin'ny ankapobeny dia milaza zavatra mitovy ary manasongadina ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh.
ireo andian-teny roa ireto amin'ny ankapobeny dia milaza zavatra mitovy ary nakampana mba hifanampy.
Eto ny teny hoe "anarana" dia sarinteny ho an'ny olona izay manana zavatra D.H: "atokany ho an'ny tenako"
Ny anarana iombonana hoe "maso" dia afaka ampiarahina amin'ny matoanteny hoe "mahita". Ny fijerena zavatra dia fanoharana amin'ny fiarovana izany. D.H: "Apetrako eo amin'ny izay tsy hahitako azy ity" na "Hofoanako ity ka tsy hiaro ity intsony aho"
"Horavaina ity temboly ity ary izay ambiny dia atao dongon-tany lehibe"
D.H: "haneho fahatalanjonana sy feo tsy fanajana"
Ireto andian-teny roa ireto dia midika zavatra mitovy. Ny andian-teny hoe "niankohoka tamin'izy ireo" dia maneho ny fihetsika izay nataon'ny olona tamin'ny fanompoana.
Ity andian-teny ity eto dia manamarika fiandohana ampahana tantara. Raha manana fomba ilazana izany ny fomba fiteninao, dia afaka mampiasa izany eto ianao.
"afaka 20 taona"
Tena tsara raha afaka adika zany mba ahafahan'ny mpamaky mahafantara fa nisy olon-kafa nanampy an'i Solomona nanao izany.
Niteny mafy an'i Solomona i Hirama. D.H: "ireto tanàna izany nomenao ahy dia tsy misy ilavana azy."
D.H: "ary ny olona dia mbola miantso azy ireo ihany androany"
Ny talenta dia mari-pandrefesana lanja izay mitovy amin'ny 34 kilograma. D.H: " volamena 4.000 kilograma"
"ny antony izay nahatonga ny Mpanjaka solomona hitaky ny olona hiasa"
Ireo mety ho heviny dia 1) "hananganana ny lavarangana" na "hananganana ny manda"
Ny olona dia sarinteny ho an'ny tafika izay nobaikony. D.H: "Ny tafik'i Farao, mpanjakan'ny Egypta, dia efa niakatra"
Tena tsara raha afaka adika zany mba ahafahan'ny mpamaky mahafantara fa nisy olon-kafa nanampy an'i Solomona nanao izany.
"Tsy noteren'i Solomona hiasa ny olona"
""dimampolo sy diman-jato tamin'izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "hananganana ny lavarangana" na "hananganana ny manda"
Adikao toy ny tao amin'ny andininy 8:64
D.H: "Mba hahavitan'ireo mpiasany ny tempoly"
Tena tsara raha afaka adika zany mba ahafahan'ny mpamaky mahafantara fa nisy olon-kafa nanampy an'i Solomona nanao izany.
"abdian-tsambo lehibe"
Ny talenta dia mari-pandrefesana lanja izay mitovy amin'ny 34 kilograma. D.H: " volamena 4.000 kilograma"
1 Rehefa nandre ny lazan'i Solomona momba ny anaran'i Yaveh ny mpanjakavin'i Sheba, dia tonga hitsapa azy amin'ny fanontaniana sarotra izy. 2 Tonga tany Jerosalema niaraka tamina rodobe lava dia lava, nisy rameva nitondra zava-manitra, volamena be dia be, ary vato sarobidy maro izy. Nony tonga izy, dia nambarany tamin'i Solomona avokoa izay tao am-pony rehetra. 3 Novalian'i Solomona ny fanontaniany rehetra. Tsy nisy tsy voavalin'ny mpanjaka ny fanontaniany. 4 Rehefa nahita ny fahendren'i Solomona rehetra ny mpanjakavavin'i Sheba, ny lapa izay naoriny, 5 ny sakafo teo an-databany, ny sezan'ny mpanompony, ny asan'ireo mpanompony sy ny fitafian'izy ireo, ary ny mpitondra ny kapoakany ihany koa, sy ny fomba nanolorany fanatitra dorana tao an-tranon'i Yaveh, dia talanjona tokoa izy. 6 Hoy izy tamin'ny mpanjaka: "Marina tokoa, ilay tatitra izay reko tany amin'ny taniko momba ny teninao sy ny fahendrenao. 7 Tsy nino aho raha tsy tonga tety, ary nahita maso izany aho ankehitriny. Tsy ampy antsasany amin'ny fahendrena sy harenanao no voatantara tamiko! Nihoatra izay reko ny lazanao. 8 Sambatra ery ireo vadinao, ary sambatra ihany koa ireo mpanomponao izay mijanona manoloana anao foana, satria mandre ny fahendrenao izy ireo. [1]9 Hoderaina anie i Yaveh Andriamanitrao, izay mahita sitraka aminao, sy nametraka anao teo amin'ny seza fiandrianan'i Israely. Satria tian'i Yaveh mandrakizay Israely, nataony mpanjaka ianao, mba hanaovanao ny rariny sy ny fahamarinana!" 10 Nomeny talenta volamena 120 ary zava-manitra maro sy vato sarobidy ny mpanjaka. Tsy nisy nanome zava-manitra betsaka toy ireo izay nomen'i mpanjakavavin'ny Sheba an'i Solomona Mpanjaka intsony. 11 Ary ny andian-tsambon'i Hirama, izay nitondra volamena avy tany Ofira, nitondra hazo almoga sy vato sarobidy maro ihany koa. 12 Nataon'ny mpanjaka tsangam-bato ho an'ny tranon'i Yaveh sy ny lapan'ny mpanjaka, ary lokanga sy valiha ho an'ireo mpihira ny hazo almoga. Tsy nisy hazo almoga betsaka toy izany tonga na hita intsony mandraka androany. 13 Nomen'i Solomona Mpanjaka izay rehetra niriany ny mpanjakavavin'i Sheba, na inona na inona nangatahany, miampy an'izay fanomen'i Solomona azy amin'ny fanomen'i mpanjaka. Ka dia niverina tamin'ny taniny niaraka tamin'ireo mpanompony izy. 14 Ary ny volamena tonga tao amin'i Solomona tao anatin'ny herintaona dia talenta volamena milanja 666, 15 afa-tsy ny volamena nentin'ireo mpanakalo sy mpivarotra. Ireo mpanjaka rehetra tany Arabia sy ireo governora tao amin'ny firenena ihany koa dia nitondra volamena sy volafotsy tany amin'i Solomona. 16 Nanao ampinga lehibe roanjato vita tamin'ny volamena voatefy i Solomona Mpanjaka. Sekely volamena eninjato no nanaovana ny iray tamin'izany. 17 Nanao ampinga telonjato vita tamin'ny volamena voatefy ihany koa izy. Ka volamena telo mane no nanaovana ny iray tamin'ny ampinga; napetraky ny mpanjaka tao amin'ny lapan'ny Alan'i Libanona ireo. 18 Ary nanao seza fiandrianana ivory lehibe ny mpanjaka ary nofonosiny tamin'ny volamena faran'izay manify izany. 19 Nisy antanan-tohatra enina nankeo amin'ny seza fiandrianana, ary boribory ny fiankinany. Nisy fametrahan-tanana isaky ny sisin'ny seza, ary liona roa mitsangana eo akaikiny. 20 Liona roa ambin'ny folo no nitsangana teo amin'ireo antanan-tohatra, iray isaky ny sisin'ny antanan-tohatra enina. Tsy nisy seza fiandrianana tahaka izany teo amin'ny firenena hafa rehetra. 21 Ny kapoaka fisotroan'i Solomona Mpanjaka rehetra dia vita tamin'ny volamena avokoa, ary ny kaopy fisotroana tao amin'ny Lapan'ny Alan'i Libanona dia vita tamin'ny volamena tsy misy fangarony avokoa. Tsy nisy volafotsy ireo, satria tsy noraisina ho sarobidy izany tamin'ny andron'i Solomona. 22 Nanana andian-tsambo mpitety ranomasina ny mpanjaka, niaraka tamin'ny andian-tsambon'i Hirama. Indray mandeha anatin'ny telo taona no nitondra volamena, volafotsy, ary ivory ireo andian-tsambo, ary rajako sy gidro ihany koa. 23 Nihoatra tamin-karena sy tamin'ny fahendrena noho ny an'ireo mpanjaka rehetra teto an-tany ny an'i Solomona Mpanjaka. 24 Nitady ny hifanatrika tamin'i Solomona ny tany iray manontolo mba handre ny fahendreny, izay napetrak'Andriamanitra tao am-pony. 25 Nitondra fanomezana ireo izay namangy, fanaka volafotsy sy volamena, ary akanjo, akanjo fiarovana, ary zava-manitra, soavaly sy ampondra ihany koa, isan-taona isan-taona 26 Nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly i Solomona. Nanana kalesy 1. 400 sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina izy izay najanony tao amin'ny tanàna fitoeran'ny kalesy sy niaraka taminy tany Jerosalema. 27 Nanana volafotsy tao Jerosalema ny mpanjaka, maro toy ny vato teo amin'ny tany izany. Nataony betsaka toy ny hazo aviavy teny amin'ny tany lemaka ny hazo sedera. 28 Nanana soavaly izay novidiana tany Egypta sy Silisia i Solomona. Novidian'ny mpivarotry ny mpanjaka isan'andiany izy ireo, ary samy nanana ny vidiny avy ny andiany iray. 29 Ny kalesy dia tany ivelan'i Egypta no novidiana ary sekely volafotsy eninjato ny iray, ary soavaly 150 sekely ny iray. Maro tamin'ireo no namidy tamin'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana rehetra.
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny lazan'i Solomona izay nanome voninahitra an'i Yaveh" na 2) "ny lazan'i Solomona, izay nomen'i Yaveh azy"
D.H: "ny zavatra rehetra izay tiany ho fantatra"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny fomba nipetrahan'ireo mpanompony manodidina ny latabatra" na "izay nitoeran'ireo mpanompony."
Ity dia fomba fiteny. D.H: "tena gaga tanteraka izy"
"Nandre aho raha mbola tany amin'ny taniko"
Eto ny teny hoe "fahendrena" dia afaka hamaritana ny teny hoe "teny" D.H: "Ny fahendrenao nilaza fa"
D.H: "nahita izany aho"
D.H: "Kely ihany no notantarain'ny olona tamiko"
Ity dia fomba fiteny. D.H: "ireo izay eo amin'ny fanatrehanao dia miandry hanompo anao"
D.H: "Hidera an'i Yaveh Andriamanitrao anie ny olona"
Ny seza fiandrianana dia sarinteny hilazana ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'izany. D.H: "izay nanao anao ho mpanjakan'ny Israely"
Ny talenta dia mari-pandrefesana izay mitovy amin'ny 34 kilograma. D.H: " volamena 4.000 kilograma"
D.H: "Tsy nisy olona nanome zava-manitra ho an'i Solomona mpanjaka intsony toy ireo izay nomen'ny mpanjakavavin'ny Deba ho azy"
Tena tsara raha afaka adika izany mba ahafahan'ny mpamaky mahafantara fa nisy olon-kafa nanampy an'i Solomona nanao izany. DH: "Nasain'ny mpanjaka nanao izany ny olona"
karazana hazo, mety ho ilay misy hanitra mahafinaritra
D.H: "tsy nisy olona nahita tahaka izany habetsahana izany intsony"
Izany dia midika hoe tamin'ny andro izay nanoratan'ny mpanoratra izany.
Ireto andian-teny ireto amin'ny ankapobeny dia milaza zavatra mitovy ary natambatra mba hisongadina.
"satria raha ny mpanjaka dia nanome betsaka"
"isan-kerintaona" (UDB). Ity dia mampitaha ny isan-taona nanjakan'i Solomona, ary tsy fotoana indray mandeha fotsiny.
Ny talenta dia mari-pandrefesana izay mitovy amin'ny 34 kilao. D.H: "volamena eo amin'ny 23.000 kilograma eo ho eo"
Mety ho tsara indrindra ny mandika izany mba ho takatry ny mpamaky fa nisy olona hafa nanampy an'i Solomona nanao izany. DH: "Nataon'ireo lehilahin'i Solomona"
"ampinga lehibe 200"
Ny sekely dia mari-pandanjana mira 11 grama eo ho eo. DH: "Eo ho eo amin'ny volamena 6.6 kilao"
Satria ny teny hoe "sekely" dia tsy miseho eto amin'ity lahatsoratra Hebreo ity, ireo dikanteny sasany dia mieritreritra ny mari-pandanjana beka, izay mitovy amin'ny antsasaky ny sekely ihany. Izay dikanteny manao izany vinavina izany dia mety hamantatra ny fandrefesena mitovy amin'ny telo kilao eo ho eo.
Mety ho tsara indrindra ny mandika izany mba ho takatry ny mpamaky fa nisy olona hafa nanampy an'i Solomona nanao izany. DH: "Nataon'ireo lehilahin'i Solomona ihany koa"
"ampinga 300"
Ny mina dia mari-pandanjana mira eo ho eo amin'ny 600 grama. DH: "Eo ho eo amin'ny volamena 1.8 kilao"
"ny trano nantsoina hoe Tranon'ny Alan'i Libanona." Adikao tahaka ny ao amin'ny 7:1.
Mety ho tsara indrindra ny mandika izany mba ho takatry ny mpamaky fa nisy olona hafa nanampy an'i Solomona nanao izany. DH: "Nataon'ireo lehilahin'i Solomona ihany koa"
Ny ivory dia zavatra mafy, fotsy avy amin'ny vangy na nifin'ny biby lehibe.
"ny trano nantsoina hoe Tranon'ny Alan'i Libanona." Adikao tahaka ny ao amin'ny 7:1.
Ny ivory dia zavatra mafy, fotsy avy amin'ny vangy na nifin'ny biby lehibe. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:18 izany.
Ireo biby ireo dia any an'ala mikitroka any Afrika. Ny faran'ny rantsany efatra dia tahaka ny tanan'olona sy tongotr'olona, ary hoho lava. Mihevitra ireo babakoto ho karazana rajako ny olona sasany.
Io dia fanaovana amin'ny ankapobeny. DH: "Ny olona na avy aiza na avy aiza" na "Ny olona avy amin'ireo toerana samy hafa"
Ny fanatrehan'ny olona dia sarinteny hilazana ny fahafahana miteny sy mihaino ny olona. DH: "nitady mpihaino niaraka tamin'i Solomona" na "te hamangy an'i Solomona"
Ny fo dia sarinteny hilazana izay heverin'ny olona ary resahina toy ny hoe fitoeran-javatra izany. Ny anarana hoe "fahendrena" dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka apetraka ao amin'ny fitoeran-javatra ary afaka adika ho tambinteny. Mety ho sarinteny hilazana ny olona ary ireo teny lazain'ny olona izany. DH: "mba hihaino ny fahendreny, izay nomen'Andriamanitra azy" na "mba handre hoe akory ny fahendrena nanaovan'Andriamanitra azy" na "mba handre azy hiteny ireo teny hendry izay navelan'Andriamanitra ho lazainy"
"kalesy 1.400 sy mpitaingin-tsoavaly 12.000"
Mampiasa filaza masaka ny mpanoratra mba hanindriana ny habetsaky ny volafotsy izay tao Jerosalema. DH: "Nanana volafotsy maro be tany Jerosalema ny mpanjaka, tahaka ny hoe misy volafotsy maro be tahaka ny vato teo amin'ny tany izany"
DH: "izay novidian'ireo mpividy tamin'ny vahoakan'i Egypta"
DH: "Nividy ireo kalesy ireo mpividy izany"
Ny sekely dia mari-pandanjana mira eo ho eo amin'ny 11 grama. DH: "eo ho eo amin'ny volafotsy 6.6 kilao...eo ho eo amin'ny 1.7 kilao"
"sekely volafotsy 600"
DH: "Dia namidin'ireo mpivarotra izany ny maro tamin'ireo"
1 Ary i Solomona Mpanjaka dia nitia vehivavy vahiny maro: ilay zanaka vavin'i Farao sy ireo vehivavin'i Moabita, Amonita, Edomita, Sidoniana, ary ireo Hetita- 2 ireo firenena voakasik'izay nolazain'i Yaveh tamin'ireo vahoakan'i Israely hoe: "Tsy handeha eo amin'izy ireo ianao mba hanambady, na izy ireo ho eo aminao, satria izy ireo dia hampitodika ny fonao amin'ireo andriamanitr'izy ireo tokoa." Kanefa i Solomona tia an'ireo vehivavy ireo. 3 Nanana vady andriambavy fitonjato sy vaditsindrano telonjato i Solomona. Nampitodika ny fony ireo vehivavy ireo. 4 Fa rehefa niha-antitra i Solomona, dia nampitodika ny fony tamin'ireo andriamani-kafa ireo vadiny; fa tsy tena nanankim-po tanteraka tamin'i Yaveh Andriamaniny izy, tahaka ny fon'i Davida rainy. 5 Fa i Solomona dia nanaraka an'i Astarta, ilay andriamani-bavin'ireo Sidoniana, ary nanaraka an'i Milkoma izy, ilay sampy vetavetan'ireo Amonita. 6 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Solomona; tsy nanaraka tanteraka an'i Yaveh izy, tahaka nataon'i Davida rainy. 7 Ary nanangana toerana avo ho an'i Kemosy i Solomona, ilay sampy vetavetan'i Moaba, teo amin'ny havoana antsinanan'i Jerosalema, ary ho an'i Moloka ihany koa, ilay sampy vetavetan'ny vahoakan'i Amona. 8 Nanangana toerana avo ihany koa izy ho an'ireo vehivavy vahininy rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy nanao sorona ho an'ireo andriamanitr'izy ireo tamin'ireo. 9 Tezitra tamin'i Solomona i Yaveh, nohon'ny nivilin'ny fony niala taminy, ilay Andriamanitr'i Israely, na dia niseho indroa taminy aza Izy 10 ary nandidy azy momba io zavatra io mihitsy, fa tsy tokony hanaraka ireo andriamani-kafa izy. Fa i Solomona dia tsy nankato izay didin'i Yaveh. 11 Noho izany dia hoy i Yaveh tamin'i Solomona: "Satria nanao izany ianao ary tsy nitàna ny fanekem-pihavanana sy ireo lalàko izay nandidiako anao, dia ho alako aminao tokoa ny fanjakana ary homeko ny mpanomponao. 12 Kanefa, nohon'ny amin'i Davida rainao, dia tsy hanao izany amin'ny androm-piainanao rehetra aho, fa hanala izany amin'ny tanan'ny zanakao. 13 Tsy mbola hanala ny fanjakana rehetra aminao aho; fa hanome foko iray ho an'ny zanakao nohon'ny amin'i Davida, sy nohon'ny amin'i Jerosalema, izay nofidiko." 14 Dia nanangana fahavalo iray ho an'i Solomona i Yaveh, dia i Hadada ilay Edomita. Avy amin'ny fianakavian'andrian'i Edoma izy. 15 Rehefa tao Edoma i Davida, dia niakatra mba handevina ny maty i Joaba ilay lehiben'ny tafika, ny olon-drehetra izay voavono tao Edoma. 16 Nitoetra tao nandritra ny enim-bolana i Joaba sy Israely rehetra mandra-pahavoavono ny lehilahy rehetra tao Edoma. 17 Fa i Hadada dia nalain'ireo mpanompon'ny rainy tao Egypta niaraka tamin'ireo Edomita hafa, satria i Hadada dia mbola zazalahy kely. 18 Niala tao Midiana izy ireo ary tonga tao Parana, izay nakan'izy ireo olona miaraka aminy ho any Egypta, ho any amin'i Farao mpanjakan'i Egypta, izay nanome trano sy tany ary sakafo ho azy. 19 Nahita sitraka lehibe teo imason'i Farao i Hadada, ka nomen'i Farao vady izy, dia ny rahavavim-badiny, ilay rahavavin'i Tapanesa mpanjakavavy. 20 Niteraka zazalahy tamin'i Hadada ilay rahavavin'i Tapanesa. Nomen'izy ireo ny anarana hoe Genobata izy. Natsangan'i Tapanesa tao amin'ny lapan'i Farao izy. Ka nipetraka tao amin'ny lapan'i Farao teo amin'ireo zanak'i Farao i Genobata. 21 Raha mbola tao Egypta izy, dia nandre i Hadada fa nodimandry any amin'ireo razany i Davida ary i Joaba ilay kapitenin'ny miaramila dia maty, hoy i Hadada tamin'i Farao: "Avelao aho handeha, mba ho afaka ho any amin'ny fireneko." 22 Dia hoy i Farao taminy: "Fa inona no tsy ampy anao eto amiko, no mitady ho any amin'ny firenenao ianao ankehitriny?" Dia namaly i Hadada hoe: "Tsy misy. Mba avelao handeha re aho." 23 Nanangam-pahavalo hafa ho an'i Solomona ihany koa Andriamanitra, dia i Rezona zanak'i Eliada, izay nandositra an'i Hadadezera mpanjakan'i Zoba tompony. 24 Nanangona olona ho azy i Rezona ka lasa kapitenina tafika kely izy, rehefa nandresy ny olon'i Zoba i Davida. Ireo lehilahin'i Rezona dia nankany Damaskosy ary nipetraka tany, ka nofehezin'i Rezona i Damaskosy. 25 Fahavalon'i Israely izy nandritra ny andron'i Solomona rehetra, niaraka tamin'ny korontana izay nataon'i Hadada. Nankahala an'i Israely i Rezona ary nanjaka teo amin'i Arama. 26 Ary i Jeroboama zanak'i Nebata, Efraimita avy any Zareda, manam-pahefan'i Solomona, izay Zeroa no anaran-dreniny, mpitondratena iray, dia nanainga ny tanany tamin'ny mpanjaka ihany koa. 27 Ny antony nananganany ny tanany tamin'ny mpanjaka dia satria nanorina toerana tao Milo sy nanampina ny lavaka tamin'ny rindrin'ny tanànan'i Davida rainy i Solomona. 28 Jeroboama dia lehilahy iray mahery. Hitan'i Solomona fa zatovolahy miasa izy, ka nomeny alalana nibaiko ireo asa rehetra tao amin'ny tranon'i Josefa. 29 Tamin'izany fotoana izany, rehefa nivoaka an'i Jerosalema i Jeroboama, dia nahita azy teny amin'ny lalana i Ahia Silonita mpaminany. Ary niakanjo vaovao i Ahia ary izy roalahy dia irery tao an-tsaha. 30 Ary nanala ny akanjo vaovao izay teny aminy i Ahia ka nizarazara izany ho roa ambinifolo. 31 Hoy izy tamin'i Jeroboama: "Makà tapatapany folo, fa i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely, niteny hoe: "Indro, hanala ny fanjakana eo amin'ny tanan'i Solomona Aho ka hanome foko folo ho anao 32 (fa i Solomona dia hanana foko iray, nohon'ny amin'i Davida sy nohon'ny amin'i Jerosalema- ilay tanàna izay nofidiko tamin'ireo fokon'i Israely rehetra), 33 satria nahafoy Ahy izy ireo ary nanompo an'i Astarta ilay andriamani-bavin'ireo Sidoniana, Kemosy ilay andriamanitr'i Moaba, ary Moloka ilay andriamanitry ny vahoakan'i Amona. Tsy nandeha tamin'ny lalako izy ireo, mba hanao izay marina eo imasoko, sy hitandrina ireo lalàko sy ireo didiko, tahaka ny nataon'i Davida rainy. 34 Kanefa, tsy haka ny fanjakana iray manontolo amin'ny tanan'i Solomona Aho. Fa kosa, nanao azy ho mpanapaka amin'ny andro rehetra hiainany, nohon'ny amin'i Davida mpanompoko izay nofidiko, ilay iray izay nitandrina ireo didiko sy ireo lalàko. 35 Fa haka ny fanjakana eo an-tanan'ny zanany Aho ka hanome izany anao, dia ireo foko folo. 36 Hanome foko iray ho an'ny zanak'i Solomona Aho, mba hanana fanilo mandrakariva eo anatrehako ao Jerosalema i Davida mpanompoko, tanàna izay nofidiko mba hasiana ny Anarako. 37 Haka anao Aho, ka hanapaka ianao mba hanatanteraka izay rehetra irinao, dia ho mpanjaka eo amin'i Israely ianao. 38 Raha mihaino izay handidiko anao rehetra ianao, ary raha mandeha amin'ireo lalako sy manao izay marina eo imasoko, mba hitandrina ireo lalàko sy ireo didiko, tahaka ny nataon'i Davida mpanompoko, dia hiaraka aminao Aho ary hanangana trano azo antoka ho anao, tahaka ny nananganako ho an'i Davida, ary hanome anao an'i Israely Aho. 39 Hanasazy ireo taranak'i Davida Aho, fa tsy ho mandrakizay."' 40 Ka nikasa ny hamono an'i Jeroboama i Solomona. Fa i Jeroboama niakatra ary nandositra tany Egypta, tany amin'i Sisaka mpanjakan'i Egypta, dia nijanona tao Egypta izy mandra-pahafatin'i Solomona. 41 Raha ny amin'ny raharaha hafa mikasika an'i Solomona, izay rehetra nataony sy ny fahendreny, moa ve tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ireo tantara momba an'i Solomona ireo? 42 Nanjaka tao Jerosalema tamin'ireo Israely rehetra i Solomona nandritra ny efapolo taona. 43 Nodimandry tany amin'ireo razambeny izy ary nalevina tao amin'ny tanàn'i Davida rainy. Dia lasa mpanjaka taoriany i Rehoboama zanany lahy.
Ireo dia anarana vondron'olona.
Ny teny hoe "ary" eto dia nampiasaina mba hanamarika fihatoana ao amin'ny fizotry ny tantara izay anombohan'ny mpanoratra mitantara fizaran'ny tantara vaovao.
Ny hoe "mampitodika ny fon'olona" dia mba handresen-dahatra izany olona izany mba hanova ny fitiavany. DH: "mandresy lahatra anao mba hanompo ireo andriamanitra izay tompoin'izy ireo"
"vady andriambavy 700 sy vaditsindrano 300"
Ny hoe "mampitodika ny fon'olona" dia mba handresen-dahatra izany olona izany mba hanova ny fitiavany. DH: "nampitodika ny fony hiala amin'i Yaveh" na "nandresy lahatra azy mba tsy hanompo an'i Yaveh intsony"
Ny hoe "nanankina" ny fonao dia manondro ny fanomezana fanekena sy fitiavana tanteraka. DH: "tsy nanolo-tena tanteraka izy...tahaka an'i Davida"
Ireo dia anarana andriamani-tsy izy.
Io dia anarana vondron'olona.
Ny teny hoe "maso" eto dia sarinteny hilazana ny hevitry ny olona. DH: "izay noheverin'i Yaveh fa ratsy"
"Milkoma" dia mety ho anarana hafa iantsoana ny sampy "Moloka".
Ireo dia anarana andriamani-tsy izy.
Eto ny teny hoe "tamin'ireo" dia manondro ireo toerana izay naorin'i Solomona.
Ny teny hoe "nivily ny fony" dia manondro ny fiovan'ny fankatoavana sy fitiavana. DH: "Tsy nanompo an'i Yaveh intsony i Solomona"
"niseho indroa tamin'i Solomona i Yaveh"
Ny hoe "alana" dia esorina an-kery. Izany dia tahaka ny olona mandrovitra ny akanjony. DH: "nanala ny fanjakana an-keriny taminao"
Ny teny hoe "tanana" dia sarinteny izay manondro ny fahefan'ny olona, fifehezana sy hery. DH: "tamin'ny fifehezan'ny zanakao"
Io dia anaran-dehilahy.
Io dia zavatra fototra izay nitranga tany aloha be.
Ny teny hoe "Israely rehetra" dia manondro ny tafik'Israely. DH: "Joaba sy ny tafik'Israely rehetra"
"Nefa naka azy niaraka tamin'ireo Edomita hafa ireo mpanompon'ny rain'i Hadada"
Ity fizarana ity dia manohy ny fampahafantarana fototra izay nanomboka tao amin'ny 11:14.
Eto ny teny hoe "izy ireo" dia manondro an'i Hadada sy ireo Edomita hafa voalaza tao amin'ny 11:14.
Ireo dia anaran-toerana.
Io dia anaram-behivavy.
Io dia anaram-behivavy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia fomba mihaja hilazana fa maty i Davida. DH: "maty Davida"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-toerana.
"Davida" dia manondro ireo tafik'i Davida iray manontolo. DH: "rehefa nandresy ny tafik'i Davida"
Eto ny teny hoe "andro" dia manondro fe-potoana ary ny hoe "Solomona" dia manondro ny zavatra rehetra ambany fahefany. DH: "ny fotoana rehetra izay nifehezan'i Solomona"
"Nankahala mafy an'Israely i Rezona "
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-toerana.
Io dia anaram-behivavy.
Ny teny hoe "tanana" dia manondro ny fahefana, hery sy fifehezana. Ny andianteny hoe "nanainga tamin'ny" dia manondro ny fanoherana olona tamin'ny fampiasana fahefahana, hery sy fifehezana. Io dia sarinteny nampiasaina mba atao fomba fiteny iraisana. DH: "nikomy tamin'ny mpanjaka"
Adikao tahaka ny tao amin'ny 9:15 ny hoe "Milo".
Ireo mety ho heviny dia 1) "mpiady mahery" na 2) "olona tena mahavita azy" (UDB) na 3) "lehilahy salama sy misarika"
"nataony ho mpibaiko izy"
Ny teny hoe "asa" dia manondro ny asa izay nandidian'i Solomona ny vahoaka mba hanao izany ho an'ny governemantany. Izany dia sarinteny.
Izany dia manondro ireo taranak'i Josefa izay olona avy ao amin'ny vondron'i Efraima sy Manase. Izany dia sarinteny.
Io dia anaran-dehilahy.
Ny Silonita dia vondron'olona.
Eto ny teny hoe "izy" dia manondro an'i Ahia.
Eto ny hoe "nanala" dia sarinteny izay manondro ny fanalana an-keriny. Tahaka ny olona nandrovitra ny akanjo izany. DH: "nanala ny fanjakana an-keriny" Jereo ny nandikanao izany andianteny izany ao amin'ny 11:11.
Eto ny hoe "tanana" dia sarinteny izay manondro ny fahefan'ny olona, fifehezana sy hery. DH: "ny fifehezan'i Solomona"
Ny anarana hoe "Solomona" eto dia sarinteny manondro ireo taranany. DH: "ireo zanaka lahin'i Solomona dia hanana" na "hanana ireo taranak'i Solomona"
Ny "maso" eto dia sarinteny hilazana ny hevitry ny olona. Izany dia nampiasaina natao fomba fiteny. DH: "izay noheveriko ho marina"
Ireo dia andriamani-tsy izy.
Manohy miteny amin'i Jeroboama izay nolazain'i Yaveh i Ahia.
Eto ny teny hoe "Aho" dia manondro an'i Yaveh.
Eto ny teny hoe "tanana" dia sarinteny izay manondro ny fahefan'ny olona, fifehezana sy hery. DH: "hiala eo amin'ny fifehezan'i Solomona"
Eto ny teny hoe "anao" dia manondro an'i Jeroboama.
Ny teny hoe "fanilo" dia sarinteny izay manondro ny fisarihan'ny olona sy ny fitarihana. DH: "hanana taranaka hanapaka ho sarika sy fitarihana mba hankatoa ny fanekeko tamin'ny fianakavian'i Davida"
Manohy miteny amin'i Jeroboama izay nolazain'i Yaveh i Ahia.
Eto ny teny hoe "Aho" dia manondro an'i Yaveh ary ny teny hoe "anao" dia manondro an'i Jeroboama.
Ny teny hoe "maso" eto dia sarinteny hilazana ny hevitry ny olona. Izany dia fomba fiteny iraisana. Jereo ny fomba nandikanao izany andianteny izany tao amin'ny 11:31.
Ny andianteny hoe "hanangana trano" dia sarinteny hilazana ny fametrahana ireo taranaka nanomboka tamin'izany fotoana izany. DH: "nametraka ny fanjakana maharitra ho anao"
Io dia anaran-dehilahy.
Ny fanontaniana dia fampisainana ary nampiasaina mba hanindriana. DH: "afaka mahita ireo ao amin'ny Bokin'ny Tantaran'i Solomona ianao."
Tsy misy intsony io boky io.
Ny andianteny hoe "nodimandry tany amin'ireo razambeny" dia sarinteny izay ambara ho fanalefahan-teny ny hoe fahafatesan'ny olona amin'ny teny malefaka kokoa. DH: "Maty izy ary nalevina tany amin'ireo razambeny"
DH: "nalevin'ny olona izy"
1 Dia nankany Sekema i Rehoboama, satria ny Israely rehetra no tonga tao Sekema mba hanao azy ho mpanjaka. 2 Nandre izany Jeroboama zanaka lahin'i Nebata (fa izy mbola tany Egypta, tany amin'izay nitsoahany ny fanatrehan'i Solomona Mpanjaka), satria Jeroboama nonina tao Egypta. [1]3 Ary nampaniraka sy niantso azy izy ireo, ary Jeroboama sy ireo fiangonan'ny Israely rehetra tonga ary niteny tamin'i Rehoboama hoe: " 4 Nataon'ny rainao mavesatra ny zioganay. Koa hamaivano ny asa mafin'ny rainao, ary hamaivano ny zioga mavesatra izay nampitondrainy anay, dia hanompo anao izahay." 5 Rehoboama niteny tamin'izy ireo hoe: "Mandehana mandritra ny telo andro ary miverena aty amiko." Koa lasa ny vahoaka. 6 Naka hevitra tamin'ireo lehilahy zokiolona izay nanatrika an'i Solomona rainy fony izy mbola velona i Rehoboama Mpanjaka, ary hoy izy hoe: "Inona no torohevitrareo ho ahy mba hamaliako ireo vahoaka ireo?" 7 Niteny taminy izy ireo ary nanao hoe: "Raha ho mpanompon'ireo vahoaka ireo ianao anio ka hanompo azy ireo, ary hamaly azy ireo amin'ny teny tsara, dia ho mpanomponao mandrakariva izy ireo." 8 Fa i Rehoboama nandà ny torohevitra izay nomen'ny zokiolona azy ary nila hevitra tamin'ireo tovolahy izay niara-lehibe taminy sy nanatrika azy. 9 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Inona no torohevitra omenareo ahy izay mety havalintsika ireo vahoaka izay niresaka sy niteny tamiko hoe: "Hamaivano ny zioga izay napetraky ny rainao taminay'?" 10 Ireo zatovolahy izay niara-lehibe tamin'i Rehoboama niteny taminy ary nanao hoe: "Miresaha amin'ireo vahoaka izay niteny taminao fa i Solomona rainao dia nanao ny ziogan'izy ireo ho mavesatra kanefa ianao tsy maintsy hanamaivana izany. Tokony hilaza amin' izy ireo ianao hoe: 'Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko. 11 Koa ankehitriny, na dia nampitondra zioga mavesatra anareo aza ny raiko, dia mbola hanampy ny zioganareo aho. Ny raiko nanafay anareo tamin'ny karavasy fa izaho kosa hanafay anareo amin'ny maingoka.'" 12 Ka tonga tany amin'i Rehoboama tamin'ny andro fahatelo i Jeroboama sy ny vahoaka rehetra, araka ny nandidian'ny mpanjaka rehefa niteny izy hoe: "Miverena eto amiko amin'ny andro fahatelo." 13 Ny mpanjaka namaly ny vahoaka tamin'ny teny mafy ary nandà ny torohevitra izay nomen'ireo zokiolona azy. 14 Niresaka tamin'izy ireo izy araka ny torohevitr'ireo zatovolahy; hoy izy hoe: "Nampitondra anareo zioga mavesatra ny raiko, kanefa mbola hanampy ny zioganareo aho. Nanafay anareo tamin'ny karavasy ny raiko, fa izaho kosa hanafay anareo amin'ny maingoka." 15 Ary dia tsy nihaino ny vahoaka ny mpanjaka, fa avy amin'i Yaveh izany zavatra izany, mba hahafahany manatanteraka ny teniny izay nolazainy tamin'ny alalan'i Ahia ilay Silonita tamin'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata. 16 Rehefa hitan'ny Israely rehetra fa tsy nihaino azy ireo ny mpanjaka, dia namaly azy ny vahoaka ary nanao hoe: "Inona no mba anjaranay ao amin'i Davida? Tsy manana lova ao amin'ny zanaka lahin'i Jese izahay! Mankanesa any an-dainareo, ry Israely. Ankehitriny jereo ny ankohonanao, ry Davida." Dia niverina tany an-dainy ny Israely. 17 Fa ireo vahoakan'i Israely izay nonina tao an-tanànan'i Joda, dia i Rehoboama no lasa mpanjakan'izy ireo. 18 Ary i Rehoboama Mpanjaka naniraka an'i Adorama, izay nifehy mpiasa an-terivozona, fa ny Israely rehetra nitora-bato azy ka maty izy. Rehoboama mpanjaka nandositra faingana tany Jerosalema niaraka tamin'ny kalesiny. 19 Noho izany Israely dia nikomy tamin'ny taranak'i Davida mandrak'androany. 20 Rehefa rèn'ny Israely rehetra fa efa niverina i Jeroboama dia nampaniraka nampiantso azy ho ao amin'ny fivorian'izy ireo, ary nanao azy ho mpanjakan'ny Israely rehetra. Tsy nisy olona na iray aza nanaraka ny fianakavian'i Davida, afa-tsy ny fokon'i Joda irery ihany. 21 Rehefa tonga tao Jerosalema Rehoboama, dia namory ireo taranak'i Joda sy ireo fokon'i Benjamina rehetra; nisy lehilahy voafidy 180. 000 izay miaramila, mba hiady amin'ny taranak'Israely, mba hamerina ny fanjakan'i Rehoboama zanaka lahin'i Solomona. 22 Fa ny tenin'Andriamanitra tonga tamin'i Semaia, ilay lehilahin'Andriamanitra; voalaza hoe: 23 "Ilazao i Rehoboama zanaka lahin'i Solomona, mpanjakan'i Joda, ny taranak'i Joda sy i Benjamina rehetra, ary ireo olona ambiny rehetra; lazao hoe: 24 'Izao no tenin'i Yaveh: Aza manafika na miady amin'ny rahalahinao vahoakan'i Israely ianao. Ny lehilahy tsirairay dia tsy maintsy miverina any amin'ny tranony, satria avy Amiko izao zavatra izao.'" Dia nihaino ny tenin'i Yaveh izy ireo, ary niverina sy nandray ny lalany, ary nankatò ny teniny izy ireo. 25 Ary Jeroboama nanorina an'i Sekema teo amin'ny tany havoan'i Efraima, ary nonina teo. Nivoaka avy tao izy ary nanorina an'i Pehoela. 26 Jeroboama nanao anakam-po hoe: "Hiverina ho an'ny taranak'i Davida ny fanjakana ankehitriny. 27 Raha miakatra mba hanao sorona ao amin'ny tempolin'i Yaveh ao Jerosalema ireo vahoaka ireo, dia hiverina amin'ny tompon'izy ireo, dia amin'i Rehoboama mpanjakan'i Joda indray ny fon'ireo vahoaka ireo. Hamono ahy izy ireo ka hiverina amin'i Rehoboama mpanjakan'i Joda." 28 Ary Rehoboama mpanjaka nitady hevitra ary nanamboatra zanak'omby volamena roa; dia hoy izy tamin'ny vahoaka: "Sarotra ho anareo ny hiakatra ho any Jerosalema. Indro, ireto ny andriamanitrareo, ry Israely, izay nitondra anareo niakatra niala ny tany Egypta." 29 Napetrany tao Betela ny iray ary ilay hafa tany Dana. 30 Ary dia lasa fahotana izany fihetsika izany. Ny vahoaka nandeha tamin'ny iray na ilay hafa, tamin'ny lalana rehetra mankany Dana. 31 Jeroboama nanorina ireo trano tamin'ny toerana avo ary nanendry mpisorona avy tamin'ireo vahoaka rehetra, izay tsy avy teo amin'ireo zanaka lahin'i Levy ihany koa izy. 32 Nanendry andro firavoravoana i Jeroboama tamin'ny volana fahavalo, tamin'ny andro faha dimy ambin'ny folon'ny volana, tahaka ilay firavoravoana izay any Joda, ary niakatra teny amin'ny alitara izy. Tany Betela no nanaovany izany, nanao sorona tamin'ny zanak'omby izay namboariny, ary napetrany tany Betela ireo mpisorona tao amin'ny toerana avo izay nataony. 33 Niakatra tany amin'ny alitara izay namboariny tao Betela i Jeroboama tamin'ny andro faha dimy ambin'ny folo tamin'ny volana fahavalo, tamin'ny volana izay noheverin'ny sainy manokana; nanendry andro firavoravoana ho an'ny vahoakan'i Israely izy, ary niakatra tany amin'ny alitara mba handoro ditin-kazo manitra.
Eto ny hoe "Israely'' dia sarinteny hilazana ny lehilahin'Israely rehetra afaka miady. "Ny Israely rehetra" dia itatra izay midika fa saika ny lehilahin'Israely rehetra. DH: "tonga ny lehilahin'Israely rehetra"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Eto ny teny hoe "izy" dia manondro an'i Jeroboama.
Ny zioga mavesatra dia sarinteny hilazana ny asa tena sarotra sy ireo izay takiana. DH: "nampijaly anay" na "nanery anay hiasa mafy" (UDB)
Ny hoe "nanatrika" dia fomba fiteny hilazana ny fanompoana ny mpanjaka eo anatrehany. DH: "ireo lehilahy zokiolona izay nanoro hevitra an'i Solomona"
Ny hoe "manamaivana ny zioga" dia sarinteny hanambarana ny fanalana ny enta-mavesatra. DH: "Aza mampijaly anay tahaka ny nataon'ny rainao" na "Aza manery anay hiasa mafy tahaka ny nataon'ny rainao"
Io sarinteny io dia midika fa mbola mampijaly sy mampatahotra mihoatra noho ny rainy i Rehoboama. DH: "Izay hataoko dia mba hanaovana ny zioganareo ho mavesatra noho ny izay napetraky ny rainy taminareo"
Io sarinteny io dia midika fa ny sazin'i Rehoboana dia mitetika ny hanome ratsy kokoa mihoatra izay nomen'ny rainy. DH: "Mampiasa ny valahiny mba hanery anareo mba hiasa ny raiko fa izaho hampiasa sazy mafy kokoa aza"
Ny teny hoe "maingoka" dia mety manondro ny 1) karavasy misy vy maranitra eo amin'ny vodiny na 2) hala tahaka ny zava-manan'aina izay misy tsindrona misy poizina.
Ny zioga mavesatra dia sarinteny hilazana asa mafy sy izay takiana. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 12:3. DH: "nampijaly anareo" na "nanery anareo mba hiasa mafy"
Io sarinteny io dia midika fa ny sazin'i Rehoboana dia mitetika ny hanome ratsy kokoa mihoatra izay nomen'ny rainy. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 12:10. DH: "Mampiasa ny karavasiny mba hanerena anareo hiasa ny raiko fa izaho hampiasa sazy mafy kokoa aza"
Io dia fomba fiteny. DH: "Yaveh no nahatonga ireo zavatra ireo nitranga"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia anarana vondron'olona avy any amin'ny tanànan'i Silo.
Eto ny hoe "Israely" dia sarinteny hilazana ny lehilahin'i Israely rehetra izay afaka miady. Ny "Israely rehetra" dia itatra izay midika fa saika ny lehilahin'Israely rehetra. DH: "ny lehilahin'Israely rehetra"
Ny "anjara" dia sarinteny midika hoe zara, tombony. Io fanontaniana io dia afaka adika ho fehezanteny tsotra. DH: "Tsy hanana anjara ao amin'ny fianakavian'i Davida izahay."
Ny hoe "zanaka lahin'i Jese" dia sarinteny hilazana an'i Davida, zanaka lahin'i Jese. Ny hoe ''lova" dia sarinteny hilazana ny ampahany sisa izay an'ny olona avy amin'ny fahombiazan'i Davida. DH: "Tsy hanana na inona na inona amin'ny taranak'i Jese izahay"
Ny hoe "lay" dia sarinteny manambara ny toerana nipetrahan'ny olona. DH: "Modia any an-tranonareo, ry vahoakan'Israely"
Ny hoe "trano" dia sarinteny hilazana ny taranak'i Davida mahery sy misy voninahitra. DH: "Ary karakarao ny fanjakanao, ry taranak'i Davida"
Io dia anaran-dehilahy.
Eto ny hoe "Israely" dia sarinteny hilazana ny lehilahin'i Israely rehetra izay afaka miady. Ny "Israely rehetra" dia itatra izay midika fa saika ny lehilahin'Israely rehetra. DH: "ny lehilahin'Israely rehetra izay tao"
Eto ny hoe "taranaka" dia sarinteny izay manambara fianakaviana na ankohonana. DH: "ireo mpanjaka taranak'i Davida"
Ny hoe "androany" dia sarinteny hilazana fe-potoana, faharetana. Eto dia manondro ny fotoana izay nanoratan'ny mpanoratra izany mihitsy io. DH: "tamin'ny fotoana nanoratan'ny mpanoratra"
Ny hoe "Israely rehetra" dia filaza masaka izay midika hoe ireo lehilahin'Israely mahavita azy izay manambara ny olona rehetra amin'ny sarinteny. DH: "ren'ireo mpitariky ny Israely rehetra"
Ny hoe "Israely" dia tsy mazava ary midika fa nikomy tamin'i Rehoboama ireo foko folo any avaratra. DH: "mpanjakan'ny fokon'Israely 10 rehetra"
"ireo taranak'i Davida"
Eto ny hoe "taranaka" dia sarinteny izay manambara foko. Ary, eto ny hoe "foko" dia manondro manokana ireo miaramila avy amin'ireo foko ireo. DH: "ireo miaramila rehetra avy amin'ireo fokon'i Joda sy Benjamina"
Eto ny "taranaka" dia manambara ny fanjakana natambatra tamin'ireo fokon'Israely 10 any avaratra. DH: "ny fanjakan'Israely" na "ny olona avy any amin'ireo fokon'Israely avaratra"
Io dia fomba fiteny izay nampiasaina mba hampidirana zavatra izay nolazain'Andriamanitra tamin'ireo mpaminaniny na ny olony. DH: "Nilaza izao hafatra izao Andriamanitra...ary nanao hoe" na "Nilaza izao teny izao Andriamanitra...ary hoy Izy"
Io dia anaran-dehilahy.
Ny teny hoe "lehilahin'Andriamanitra" dia fomba mihaja hanondroana ny mpaminanin'i Yaveh. DH: "ilay lehilahy izay an'Andriamanitra" na "ny mpaminanin'Andriamanitra"
Eto ny hoe "taranaka" dia sarinteny izay manambara foko. DH: "ny vahoaka rehetra avy amin'ireo fokon'i Joda sy i Benjamina rehetra"
Ny teny hoe "rahalahy" sy "vahoakan'Israely" dia kambana izay manondro ireo lehilahy avy amin'ireo foko folo any avaratra ary manindry ny fihavanana eo amin'izy ireo sy ireo fokon'i Joda sy i Benjamina.
DH: "satria nampitranga izao zavatra izao Aho"
Ny ''fo" dia sarinteny hilazana ny fahatsiarovan-tenan'ny olona, ireo eritreritra, ny antony, na fihetseham-po. DH: "nihevitra ny tenany"
Eto ny hoe "taranaka" dia sarinteny izay manambara foko. DH: "ireo mpanjaka taranak'i Davida"
Ny teny hoe "ireo vahoaka ireo" dia manondro ny vahoaka avy any amin'ireo fokon'Israely folo any avaratra.
Ny "fo'' dia sarinteny hilazana ny fankatoavan'ny olona sy ny fitiavana. DH: "ny fankatoavan'ireo vahoaka ireo"
Ireo andianteny ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary nakambana mba hanindriana ny tahotr'i Jeroboama fandrao hamerina an'i Rehoboama ho mpanjaka indray ny vahoaka.
Ny hoe "anareo'' eto dia sarinteny hilazana ireo razamben'ny olona. DH: "nitondra ny razambenareo niakatra"
Ireo mpiasa izay nanao izany araka ny didin'i Jeroboama dia nambara tamin'ny sarinteny dia ny anaran'i Jeroboama mihitsy izany. DH: "ireo mpiasan'i Jeroboama dia nanorina trano teo amin'ny toerana avo"
Ny fampahalalana efa fantatra dia hoe trano fanompoana ireo. Ny tena hevitra fenon'io andianteny io dia afaka atao mazava. DH: "ireo trano fanompoana teo amin'ireo toerana avo"
"nanendry lehilahy mba ho mpisorona"
Io dia ny volana fahavalo amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahadimy ambin'ny folo dia akaikin'ny fiandohan'ny Novambra amin'ny tetiandro Tandrefana. DH: "tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana fahavalo"
Ny hoe "niakatra" dia fomba fiteny hilazana ny fandehanana tany amin'ny toerana masina mba hanompo satria teo amin'ireo toerana masina ireo alitara ireo. DH: "nanolotra sorona teo amin'ny alitara"
Ny hoe "niakatra" dia fomba fiteny hilazana ny fandehanana tany amin'ny toerana masina mba hanompo satria teo amin'ireo toerana masina ireo alitara ireo. DH: "nanolotra sorona teo amin'ny alitara"
"tamin'ny volana izay notondroiny"
1 Nisy lehilahin'Andriamanitra avy any Joda tonga tao Betela nohon'ny tenin'i Yaveh. Nijoro teo akaikin'ilay alitara i Jeroboama mba handoro ditin-kazo manitra. 2 Nihikiaka tamin'ny alitara nohon'ny tenin'i Yaveh izy hoe: "Alitara! Alitara! Izao no ambaran'i Yaveh hoe: 'Indro, hisy lehilahy antsoina hoe Josia hateraka amin'ny fianakavian'i Davida, ary eo aminao no hanaovany sorona mpisorona amin'ny toerana avo indrindra izay mandoro ditin-kazo manitra eo aminao izao. Handoro taolan'olombelona eo aminao izy ireo.'" 3 Avy eo ilay lehilahin'Andriamanitra nanome famantarana ny androtr'iny ihany, nanao hoe: "Izao no famantarana nolazain'i Yaveh: 'Indro, hiparitaka ny alitara, ary hiraraka ny lavenona eo aminy.'" 4 Rehefa ren'ny mpanjaka izay nolazain'ilay lehilahin'Andriamanitra, fa niantso mafy nanohitra ny alitara tao Betela izy, dia naninjitra ny tanany avy eo amin'ny alitara i Jeroboama, nanao hoe: "Sambory izy." Avy eo maty ilay tanana izay nahinjiny tamin'ilay lehilahy, ka tsy afaka nanemotra izany hiverina intsony izy. 5 (Niparitaka ihany koa ilay alitara ary niraraka avy teo amin'ilay alitara ny lavenona, araka ny voafaritr'ilay famantarana izay nomen'ilay lehilahin'Andriamanitra nohon'ny tenin'i Yaveh.) 6 Namaly Jeroboama Mpanjaka ary niteny tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Mangataha sitraka amin'i Yaveh Andriamanitrao, ary mivavaha ho ahy, mba haverina amiko indray ny tanako." Noho izany dia nivavaka tamin'i Yaveh ilay lehilahin'Andriamanitra, ary naverina taminy indray ny tanan'ny mpanjaka, ary lasa toy ny teo aloha izany. 7 Hoy ny mpanjaka tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Andao hody miaraka amiko ka haka aina, ary homeko valisoa ianao." 8 Hoy ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka hoe: "Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny fanananao, dia tsy handeha hiaraka aminao aho, na hihinan-kanina na hisotro rano amin'ity toerana ity, 9 satria Yaveh nandidy ahy tamin'ny teniny hoe: 'Tsy hihinana mofo na hisotro rano ianao, na hiverina amin'ny lalana izay nihavianao.'" 10 Noho izany dia nandeha tamin'ny lalana hafa ilay lehilahin' Andriamanitra ary tsy niverina tany an-tranony tamin'ny lalana izay nalehany ho any Betela. 11 Ary nisy mpaminany antitra iray nipetraka tao Betela, ary tonga ny iray tamin'ireo zanany lahy ka niteny taminy ny zavatra rehetra izay vitan'ilay lehilahin'Andriamanitra tao Betela tamin'io andro io. Nolazain'ny zanany taminy koa ireo teny izay nolazain'ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka. 12 Hoy ny rain'izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Aiza no lalana nalehany?" Ary hitan'ilay zanany ny lalana nalehan'ilay lehilahin'Andriamanitra avy any Joda. 13 Noho izany dia hoy izy tamin'ireo zanany lahy hoe: "Asio lasely ho ahy ny boriky." Koa dia nasin'izy ireo lasely ilay boriky ary notaingenany izany. 14 Nanaraka an'ilay lehilahin'Andriamanitra ilay mpaminany antitra ka nahita azy nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta; ary hoy izy taminy hoe: "Ianao ve ilay lehilahin'Andriamanitra avy any Joda?" Dia namaly izy hoe: "Izaho indrindra." 15 Avy eo niteny taminy ilay mpaminany antitra hoe: "Andao hiaraka amiko any an-trano ary hihinan-kanina." 16 Dia namaly ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Tsy handeha hiverina hiaraka aminao aho na hiditra hiaraka aminao, na hihinan-kanina na hisotro rano miaraka aminao amin'izany toerana izany, 17 satria nandidiana ahy tamin'ny tenin'i Yaveh izany hoe: 'Tsy mahazo mihinana sakafo na misotro rano any ianao, na miverina amin'ny lalana izay nandehananao.'" 18 Dia hoy ilay mpaminany antitra taminy hoe: "Mpaminany tahaka anao koa aho, ary nisy anjely niresaka tamiko nohon'ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 'Ento miverina any an-tranonao miaraka aminao izy, mba hahafahany mihinan-kanina sy misotro rano.'" Kanefa nandainga tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra izy. 19 Noho izany dia nandeha niverina niaraka tamin'ilay mpaminany antitra ilay lehilahin'Andriamanitra ary nihinan-kanina tao an-tranony sy nisotro rano. 20 Raha nipetraka teo an-databatra izy ireo, dia tonga tamin'ilay mpaminany izay nitondra azy niverina ny tenin'i Yaveh, 21 ary nihikiaka tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra izay avy any Joda izy, nanao hoe: "Hoy Yaveh hoe: 'Satria tsy nankatoa ny tenin'i Yaveh ianao ary tsy nitandrina ny didy izay nomen'i Yaveh anao, 22 fa niverina sy nihinan-kanina sy nisotro rano tao amin'ilay toerana izay nolazain'i Yaveh anao mba tsy hihinanana hanina na hisotroana rano, dia tsy halevina any amin'ny fasan'ireo razambenao ny vatanao.'" 23 Rehefa avy nihinan-kanina sy rehefa avy nisotro izy, dia nasian'ilay mpaminany lasely ny borikin'ilay lehilahin'Andriamanitra, ilay lehilahy izay niverina niaraka taminy. 24 Rehefa lasa ilay lehilahin' Andriamanitra, dia nisy liona nifanena taminy teny an-dalana ary namono azy, ka navela teo an-dalana ny fatiny. Avy eo ilay boriky nijoro teo akaikin'izany, ary ny liona ihany koa dia nijoro teo anilan'ilay faty. 25 Rehefa nandalo teo ny olona ka nahita ilay faty tavela teo an-dalana, ary ny liona nijoro teo akaikin'ilay faty, dia nandeha izy ireo ary niteny izany tany amin'ny tanàna izay nipetrahan'ilay mpaminany antitra. 26 Rehefa ren'ilay mpaminany izay nitondra azy niverina tamin'ny lalana izany, dia hoy izy hoe: "Ilay lehilahin'Andriamanitra izay tsy nankatoa ny tenin'i Yaveh izany. Noho izany dia nomen'i Yaveh ny liona izy, izay namiravira azy sy namono azy, araka ny nampitandreman'ny tenin'i Yaveh azy." 27 Koa niresaka tamin'ireo zanany lahy ilay mpaminany, nanao hoe: "Asio lasely ny borikiko,' dia nasian'izy ireo lasely izany. 28 Nandeha izy ary nahita ilay faty tavela teny an-dalana, ary ilay boriky sy ilay liona nijoro teo akaikin'ilay faty. Tsy nohanin'ilay liona ilay faty, na novonoiny ilay ampondra. 29 Nalain'ilay mpaminany ny fatin'ilay lehilahin' Andriamanitra, nampandriany teo amin'ilay boriky izany, ary nentiny niverina. Tonga tany amin'ny tanànany manokana izy mba hisaona sy handevina azy. 30 Nampandriany tao amin'ny fasany manokana ilay faty, ary nisaona azy izy ireo, nanao hoe: "Indrisy, ry rahalahiko!" 31 Rehefa avy nandevina azy izy ireo, dia niresaka tamin'ireo zanany lahy ilay mpaminany antitra, nanao hoe: "Rehefa maty aho, dia aleveno ao amin'ny fasana izay nandevenana an'ilay lehilahin'Andriamanitra. Ampandrio eo akaikin'ny taolany ny taolako. 32 Satria ny hafatra izay nambarany nohon'ny tenin'i Yaveh, tamin'ny alitara tao Betela sy tamin'ireo trano rehetra any amin'ny toerana avo any amin'ireo tanànan'i Samaria, dia hitranga tokoa." 33 Taorian'io dia tsy niala tamin'ny fomba ratsiny i Jeroboama, fa mbola nanohy nanondro mpisorona avy amin'ny karazan'olona ho amin'ny toerana ambony ihany. Izay te-hanompo dia natokany ho mpisorona. 34 Lasa fahotana tamin'ny fianakavian'i Jeroboama sy nahatonga ny fianakaviany ho potika sy ringana teto ambonin'ny tany izany.
Ny fampahalalana efa mazava dia hoe naniraka lehilahin'Andriamanitra tany Betela Yaveh. DH: "nandefa lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda ho any Betela Yaveh"
Io dia anaranan'ny mpaminany hafa. DH: "mpaminany"
Eto ny hoe "teny" dia manambara ny hafatr'i Yaveh. DH: "ny hafatr'i Yaveh"
Eto ny hoe "izy" dia manondro ilay lehilahin'Andriamanitra.
Midika izany fa naminany tany amin'ny alitara tamin'ny feo mafy sy manameloka izy. DH: "naminany mafy tamin'ny alitara"
Niresaka tamin'ny alitara toy ny hoe olona izay afaka mandre azy ny mpaminany. Nolazainy indroa izany mba hanindriana.
Eto ny hoe "fianakavian'i Davida" dia manondro ireo taranak'i Davida. DH: "hanan-janaka antsoina hoe Josia ny taranak'i Davida iray"
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro an'i Josia sy ny olona niaraka taminy.
DH: "Hanaparitaka ny alitara Yaveh ka hiraraka amin'ny tany ireo lavenona eo amin'izany"
DH: "Nataon'i Yaveh maty ny tanana izay nahinjiny tamin'ilay lehilahy"
"nalemy" na "lasa tsy nahetsika" (UDB)
DH: "nanaparitaka ny alitara ihany koa Yaveh"
DH: "araka ny nofaritan'ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ireo tenin'i Yaveh izay ho famantarana"
Eto ny hoe "teny" dia manondro ny hafatr'i Yaveh. DH: "ny hafatr'i Yaveh"
Ny anarana hoe "sitraka" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "Mangataha mba ho afaka ankasitraka ahy Yaveh Andriamanitrao"
DH: "mba hamerina ny tanako Yaveh"
DH: "namerina ny tanan'ny mpanjaka Yaveh ary nataony toy ny teo aloha izany"
DH: "Andao hody miaraka amiko ary hihinana sakafo"
"ny antsasaky ny tranonao"
"Aza mihinana mofo, misotro rano, na miverina amin'ny lalana izay nihavianao"
Ny fampahalalana tsy eo dia hoe nilaza izay lalan'ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ny rain'izy ireo ihany koa ireo zanany lahy.
Midika izany hoe mametraka seza eo an-damosin'ny biby mba ahafahan'ny olona mitaingina izany.
Io dia manondro ny mpaminany izay nipetraka tany Betela.
"nilaza tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra ilay mpaminany antitra"
"namaly ilay lehilahin'Andriamanitra"
"midira any an-tranonao"
"any Betela"
DH: "nandidy ahy tamin'ny teniny Yaveh"
Io dia fomba fiteny izay midika fa niteny Yaveh. Eto ny hoe "teny" dia manambara ny hafatr'i Yaveh. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 6:11. DH: "tamin'ny hafatr'i Yaveh"
"nisy anjely nanome ahy ny hafatra avy amin'i Yaveh"
Io dia fomba fiteny izay midika fa niteny Yaveh. Eto ny hoe "teny" dia manambara ny hafatr'i Yaveh. Adikao tahaka ny tao amin'ny 13:14 izany andianteny izany. DH: "tamin'ny hafatr'i Yaveh"
Ny fampahalalana efa mazava dia hoe mbola nihinana sy nisotro teo an-databatra izy ireo. DH: "Raha mbola nihinana sy nisotro teo an-databatra izy ireo"
Io dia fomba fiteny izay midika fa niteny Yaveh. Eto ny hoe "teny" dia manambara ny hafatr'i Yaveh. Adikao tahaka ny tao amin'ny 13:14 izany andianteny izany. DH: "Niteny ireo hafany i Yaveh"
Eto ny teny hoe "azy" dia manondro ilay lehilahin'Andriamanitra.
"niteny mafy tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra izy"
Midika izany hoe mametraka seza eo an-damosin'ny biby mba ahafahan'ny olon'Andriamanitra mitaingina izany. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 13:11.
DH: "ary namela ny fatiny teo an-dalana"
"olona maty"
Eto ny hoe "izany" dia manondro izay hitan'izy ireo teny an-dalana. DH: "tonga izy ireo ary nitantara momba izay hitan'izy ireo"
"olona maty"
"nitsirara teny an-dalana"
"nampiakatra"
"olona maty"
Eto ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ny mpaminany sy ireo zanany lahy.
Ny teny hoe "Indrisy" eto dia itatra hilazana ny alahelo tena lehibe.
Eto ny teny hoe "izy" dia manondro ilay mpaminany antitra ary ny teny hoe "azy" dia manondro ilay lehilahin'Andriamanitra.
Eto ny hoe "taolako" dia manambara ny vatany manontolo. DH: "Ampandrio eo akaikin'ny taolany ny fatiko"
Ny fampahalalana efa fantatra dia hoe trano fanompoana ireo. DH: "ireo trano fanompoana eny amin'ireo toerana masina"
DH: "Nanota tamin'ny fanaovana izany zavatra izany ny fianakavian'i Jeroboama"
Io teny io dia manondro ny fananganan'i Jeroboama toerana avo sy ny fanondroany mpisorona.
DH: "namotika sy nandringana ny fianakavian'i Jeroboama noho izany Andriamanitra"
Midika zavatra iray ihany ireo. DH: "mba ho ringana tanteraka"
1 Tamin'izany fotoana izany dia narary mafy Abia zanaka lahin'i Jeroboama. 2 Hoy i Jeroboama tamin'ny vadiny hoe: "Mitsangàna re ary manovà endrika, mba tsy ho fantatry ny olona fa vadiko ianao, ary mandehana any Silo, fa any no misy an'i Ahia mpaminany; izy ilay niresaka ny momba ahy, nilaza fa ho lasa mpanjakan'ireo olona ireo aho. 3 Mitondrà mofo folo, mofomamy vitsivitsy, sy tantely iray tavoara, ary mandehana any amin'i Ahia. Hilaza aminao izay hitranga amin'io zaza io izy." 4 Nataon'ny vadin'i Jeroboama izany; dia lasa izy ary nandeha nankany Silo, ary tonga tao an-tranon'i Ahia. Ary tsy nahita i Ahia; tsy nahita intsony izy nohon'ny fahanterany. 5 Hoy i Yaveh tamin'i Ahia hoe: "Indro, ho avy eto aminao ny vadin'i Jeroboama mba hitady toro-hevitra mahakasika ny zanany lahy, satria marary izy. Izao sy izao lazaina azy, satria rehefa tonga izy, dia mody hanao toy ny vehivavy hafa izy." 6 Rehefa ren'i Ahia ny feon'ny tongony raha izy niditra ny varavarana iny, dia hoy izy hoe: "Mandrosoa, ry vadin'i Jeroboama. Nahoana ianao no mody manao olon-kafa? Nirahina hilaza vaovao ratsy ho anao aho. 7 Mandehana, lazao Jeroboama fa i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, dia niteny hoe: 'Nasandratro tamin'ireo olona ianao mba hahatonga anao ho mpitarika ny vahoakan'Israely. 8 Nesoriko teo amin'ny fianakavian'i Davida ny fanjakana ary nomeko anao izany, nefa ianao dia tsy toa an'i Davida mpanompoko Davida, izay nitandrina ny didiko ary nanaraka Ahy tamin'ny fony manontolo, mba tsy hanao afa-tsy ny marina eo imasoko. 9 Fa ianao kosa dia nanao ratsy, mihoatra noho ireo rehetra nanoloana anao. Ianao dia nanao andriamanitra hafa, nanao sarin-javatra an-idina mba hampatezitra Ahy, ary nanilika Ahy ho ao an-damosinao. 10 Noho izany, indro, hitondra loza amin'ny fianakavianao Aho; handringana ny zazalahy rehetra ao Israely Aho, na ny andevo na ny afaka, ary hanafoana tanteraka ny fianakavianao, tahaka ny olona mandoro zezika mandra-pahalevon'izany. 11 Na iza na iza an'ny fianakavianao izay maty ao amin'ny tanàna dia ho hanin'ireo amboa, ary na iza na iza maty any an-tsaha dia ho hanin'ireo voron'ny lanitra satria Izaho, Yaveh no efa nilaza izany.' 12 Koa mitsangàna, ry vadin'i Jeroboama ary miverena any an-tranonao; rehefa miditra ao amin'ny tanàna ny tongotrao, dia ho faty i Abia. 13 Hisaona sy handevona azy ny Israely rehetra. Izy ihany no tokana avy amin'ny fianakavian'i Jeroboama halevina ao anaty fasana, satria tao aminy irery ihany, avy ao amin'ny an-tranon'i Jeroboama, no nahitana zavatra tsara teo imason'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. 14 Yaveh ihany koa dia hanandratra mpanjakan'Israely iray izay handringana ny fianakavian'i Jeroboama amin'io andro io. Androany izany andro izany, izao dieny izao. 15 Fa Yaveh dia hanafika an'Israely toy ny volotara hozongozonin'ny rano, ary Izy dia hanongotra an'Israely hiala eo amin'io tany tsara izay nomeny ny razam-ben'izy ireo io. Hanaparitaka azy ireo any an-dafin'ny onin'i Efrata Izy, satria nanao baon'Aseraha izy ireo ary nampatezitra an'i Yaveh. 16 Izy dia handao an'Israely noho ireo fahotan'i Jeroboama, ireo fahotana izay nataony, sy nitarihany an'Israely mba hanota." 17 Dia nitsangana ny vadin'i Jeroboama ka nandeha, ary tonga tao Tirza. Raha tonga teo an-tokonam-baravaran'ny tranony izy, dia maty ilay zaza. 18 Nandevina sy nisaona azy ny Israely rehetra, araka ny efa nolazaina tamin'izy ireo araka ny tenin'i Yaveh izay nambarany tamin'ny alalan'ny Ahia mpaminany mpanompony. 19 Ary ireo zavatra hafa mahakasika an'i Jeroboama, ny nanakaramany ady sy nanjakany, dia indro, nosoratana tao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ireo. 20 Nanjaka roa amby roapolo taona Jeroboama ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny, ary Nadaba zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 21 Ary Rehoboama zanak'i Solomona no nanjaka tao Joda. Iraika amby efapolo taona Rehoboama no lasa mpanjaka, ary nanjaka fito ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy, ilay tanàna izay nofidian'i Yaveh tamin'ny fokon'Israely rehetra hametrahana ny anarany. Ny anaran'ny reniny dia Nama ilay Amonita. 22 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Joda; nampiteraka fahasarotam-piaro ho Azy ny ota nataon'izy ireo, mihoatra noho ny zavatra rehetra izay efa nataon'ny razamben'izy ireo. 23 Fa izy ireo ihany koa dia nanamboatra toerana avo ho an'ny tenan'izy ireo, tsangam-bato, ary baon'Aseraha manerana ny tendrombohitra sy teny ambany hazo maitso. 24 Nisy koa ireo lehilahy nivaro-tena tao amin'ilay tany. Nanao ireo fahavetavetana fanaon'ireo firenena izay noroasin'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely izy ireo. 25 Ary tamin'ny fahadimy taona nanjakan'i Rehoboama mpanjaka no tonga nanafika an'i Jerosalema i Sisaka mpanjakan'i Egypta. 26 Nalainy avokoa ireo harena tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo harena tao an-tranon'ny mpanjaka. Nalainy avokoa ny zavatra rehetra; nalainy ihany koa ireo ampinga volamena rehetra izay namboarin'i Solomona. 27 Nanao ampinga varahina teo amin'ny toeran'izy ireo ihany koa i Rehoboama Mpanjaka ary nanankina ireo teo an-tanan'ireo mpifehy ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka. 28 Isaky ny niditra tao an-tranon'i Yaveh ny mpanjaka, dia nolanjain'ireo mpiambina ireo; ary nentin'izy ireo niverina tao amin'ny tranon'ny mpiambina. 29 Ary ireo zavatra hafa mahakasika an'i Rehoboama, sy izay nataony rehetra, moa ve tsy efa voasoratra ao anatin'ny Bokin'ny tanataran'ny mpanjakan'i Joda ireo? 30 Nisy ady mandrakariva teo amin'i Rehoboama sy Jeroboama. 31 Koa nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Rehoboama ary niaraka nalevina tamin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida. Ny anaran'ny reniny dia i Nama ilay Amonita. Abia zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
"ovay ny endrikao mba tsy ho fantatry ny hafa"
DH: "mba tsy hisy olona hahafantatra anao"
Eto ny teny hoe "Indro" dia midika hoe "henoy".
Ny anarana hoe "torohevitra" dia afaka atao matoanteny. DH: "tonga mba hanontany anao"
Ny teny hoe "izao sy izao" dia midika fa nilaza tamin'i Ahia izay ho lazaina i Yaveh. DH: "Izao lazaina aminy"
Io fanontaniana io dia maneho fa fantatr'i Ahia fa nanova endrika izy. DH: "Aza mody manao olona hafa intsony; fantatro hoe iza ianao."
DH: "Nilaza tamiko ny hanome ireo vaovao ratsy taminao Yaveh"
"Nampiakatra anao aho"
Nanala ny ankabeazan'ny fanjakana an-keriny tahaka ny olona mandrovitra ny akanjony Andriamanitra.
"nankatoa Ahy"
Ny maso dia manambara ny fahitana, ary ny fahitana dia manambara ireo hevitra sy fitsarana. DH: "izay tsaraiko fa marina" na "izay heveriko ho marina"
Tsy nanaja an'i Yaveh tahaka ny olona manilika zavatra izay tsy tiana i Jeroboama. DH: "nandà Ahy tanteraka"
"henoy". Io teny io dia nampiana mba hanondroana fa manan-danja izay manaraka eo.
Ireo andianteny roa ireo dia tena mitovy ny heviny ary naverina mba hanindriana.
Miresaka ny fandravana ny fianakavian'i Jeroboama sy ny fanakanana azy tsy hanana taranaka toy ny hoe handringana azy ireo tahaka ny olona mandrantsana rantsan-kazo amin'ny hazo Yaveh. DH: "nandringana ny olona rehetra dia ireo zaza lahinareo ao Israely"
Io fampitahana io dia mampitaha ny fanalana ny taranak'i Jeroboama rehetra amin'ny fandorana zezika izay nifangaro amin'ny mololo, maina, ary nandoro tamin'ny solika.
DH: "Hihinana izay ao amin'ny fianakavianao sy izay maty ao an-tanàna ireo amboa"
DH: "Hihinana ny olona izay maty any an-tsaha ireo voron'ny lanitra"
Ny teny hoe "tongotra" eto dia fibangoanteny hilazana ny olona manontolo. DH: "rehefa miditra ny tanàna ianao"
Io dia fanaovana amin'ny ankapobeny izay midika hoe ny olona avy any amin'ny fanjakan'Israely any avaratra. DH: "Ny vahoakan'Israely"
Ny teny hoe "trano" eto dia sarinteny hilazana ny "fianakaviana". DH: "ao amin'ny fianakavian'i Jeroboama rehetra"
Ny imason'i Yaveh dia manambara ny fitsaran'i Yaveh na ny tombon'ezaka. DH: "nahita zavatra notsarainy ho tsara ve Yaveh, Ilay Andriamanitr'Israely"
Miresaka ny mpanjakan'Israely vaovavo mamotika ny fianakavian'i Jeroboama sy manakana azy tsy hanan-taranaka toy ny hoe olona izay manapaka rantsana amin'ny hazo ny mpanoratra. DH: "nandringana ireo taranak'i Jeroboama"
Mampiasa fampitahana ny mpanoratra eto mba hanambarana ny fomba hitsaran'i Yaveh ny olon'Israely. DH: "Hanafika ny vahoakan'Israely toy ny volotara ahozongozon'ny rano Yaveh"
DH: "tahaka ny renirano manozongozona volotara"
Ampitahain'i Yaveh amin'ny hazo izay hongotany amin'ny tany ny fakany Israely. DH: hanala ny vahoakan'Israely amin'izany tany tsara izany Izy"
"hampiely azy ireo"
Io dia anaran-tanàna izay nipetrahan'ny mpanjaka.
Io dia fanaovana amin'ny ankapobeny izay midika fa nandevina azy ary nisaona azy ny vahoakan'Israely. DH: "Vahoakan'Israely maro be no teo rehefa nandevina azy ny olona, ary nisaona azy ny vahoakan'Israely"
DH: "araka izay nolazain'i Yaveh tamin'izy ireo"
Eto ny hoe "teny" dia manambara hafatra. DH: "ny hafatr'i Yaveh"
"jereo"
DH: "afaka jerenao fa voasoratra ao amin'ny...ireo"
Io dia manondro ny boky izay tsy misy intsony.
"22 taona"
Ny fahafatesan'i Jeroboama dia resahina toy ny hoe natory izy. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 2:10. DH: "maty"
"41 taona...17 taona"
Eto ny hoe "hametrahana ny anarany" dia sarinteny hilazana ny "fitoerana" ary manondro ny tempoly izay nanompoana an'i Yaveh. DH: "izay nitoeran'i Yaveh" na "izay nanompoana".
Eto ny hoe "-izy" dia manondro an'i Rehoboama.
Io dia anaram-behivavy.
Eto ny hoe "Joda" dia manambara ny vahoakan'i Joda. DH: "Nanao...ny vahoakan'i Joda"
Ny hoe "imason'i" Yaveh dia manambara ny fitsaran'i Yaveh sy ny tomban'ezany. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 11:5. DH: "izay ratsy teo amin'ny fitsaran'i Yaveh" na "izay noheverin'i Yaveh ho ratsy"
Ny anarana hoe "fahasarotam-piaro" dia afaka adika ho tambiteny. DH: "nahatonga azy ho saro-piaro izy ireo"
Ny teny hoe "izy ireo" eto manondro ny vahoakan'i Joda.
"nanamboatra ho an'izay ilan'izy ireo izany"
Io dia tahaka ny itatra izay manondro fa nisy toerana maro tahaka ireo hanompoana ireo andriamani-tsy izy nanerana ny tanàna. DH: "teny amin'ireo havoana avo sy tany ambany hazo maitso"
"mpitety finoana" na "lehilahy janga." Mety manondro ireo lehilahy janga izay nifandraika tamin'ny fanompoana sampy izany.
Eto ny teny hoe "firenena" dia manambara ny olona ao amin'ireo firenena ireo. DH: "ireo zavatra izay efa nataon'ny olona ihany, izay"
Io dia manondro ny taona fahadimy izay naha-mpanjaka an'i Rehoboama. DH: "tamin'ny taona fahadimy izay nanjakan'i Rehoboama"
"tamin'ny faha-5 taona"
"Sisaka mpanjakan'i Egypta" dia sarinteny hilazana an'i Sisaka niaraka tamin'ireo tafika Egyptiana. DH: "Sisaka mpanjakan'i Egypta, sy ireo tafiny niaraka taminy, dia tonga nanafika an'i Jerosalema"
Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 11:40.
Io dia fomba fiteny izay midika hoe nanao diabe hanohitra na hanafika. DH: "tonga mba hanafika"
Io dia fanaovana amin'ny ankapobeny izay manondro ny zavatra sarobidy rehetra izay azo alaina. DH "Naka zavatra sarobidy maro be izy"
Ny hoe "-ny" dia manambara an'i Sisaka sy ireo miaramila izay niaraka taminy. DH: "Nalain'i Sisaka sy ny tafiny"
Eto ny hoe "Solomona" dia manondro ireo mpanao asa-tanana izay niasa ho an'i Solomona mba hanamboatra ireo ampinga. DH: "izay nampanaovin'i Solomona ireo mpiasany"
Eto ny hoe "Rehoboama mpanjaka" dia manambara olona izay miasa ho azy hanao ampinga. D.H: "Ireo mpiasan'i Rehoboama mpanajaka dia nanao ampinga"
"teo amin'ny toeran'ny ampinga volamena"
Eto ny "tanana" dia maneho fikarakarana na fandraisana andraikitra. D.H: "manao azy ireo ho mpandray andraikitrin'ny mpibaiko"
Eto ny "varavarana" dia manambara fidirana. D.H: "izay miambina ny fidiran'ny tranon'ny mpanajaka"
"ny mpiambina dia hanao ny apinga volamena"
Ny fanontaniana dia fampisainana ary nampiasaina ho an'ny fanasongadinana. D.H: "ireo dia voasoratra tao amin'ny bokin'ny tantaran'ny bokin'ny mpanjakan'i Joda." na "azonao vakiana ireo ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda."
Ity dia maneho ny boky izay tsy misy intsony.
"Nisy ady nitohy tamin'izany" na "Nisy ady naharitra tamin'izany"
Ireo anaran'ny mpanjaka dia midika ady teo amin'ireo tafik'i Rehoboama sy Jeroboama. D.H: "ireo tafik'i Rehoboama sy Jeroboama dia niady teo am-piadiana foana foana." (UDB) na "Rehoboama sy ny vahoakany ary Jeroboama sy ny vahoakany dia mbola nanohy niady teo am-piadiana."
Ny nahafatesan'i Rehoboama dia voalaza toy ny hoe nahalavo azy.
D.H: "nandevina azy ny olona"
Ity dia anarana vehivavy.
"Abia zanaka lahin'i Rehoboama"
Ny andian-teny "teo amin'ny toerany" dia midika fomba fiteny hoe "fa tsy ny azy." D.H: "lasa mpanajaka afa tsy Rehoboama"
1 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata, dia nanomboka nanjaka teo amin'i Joda i Abia. 2 Nanapaka telo taona tao Jerosalema izy. Imaka no anaran'ny reniny. Zanaka vavin'i Absaloma izy. 3 Nandeha tamin'ny fahotana rehetra izay nataon-drainy talohan'ny fotoany izy; ny fony dia tsy mba voatokana ho an'i Yaveh Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida, razambeny. 4 Na izany aza, noho ny amin'i Davida, Yaveh Andriamaniny dia nanome fanilo azy tany Jerosalema tamin'ny alalan'ny fananganany ny zanany handimby azy mba hampantanjaka an'i Jerosalema. 5 Nataon'Andriamanitra izany satria Davida dia nanao ny marina teo imasony; nandritra ny andro rehetra niainany, tsy mba nivily tamin'izay rehetra nandidiany azy izy, afa-tsy tamin'ny raharahan'Oria ilay Hetita ihany. 6 Ary nisy ady teo amin'i Rehoboama sy Jeroboama nandritra ny androm-piainan'i Abia rehetra. 7 Ny amin'ny ireo raharaha hafa mahakasika an'i Abia, dia izay nataony rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda ve ireo? Nisy ady teo amin'i Abia sy Jeroboama. 8 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Abia, ary dia nalevin'izy ireo tany amin'ny tanànan'i Davida izy. Asa zanany no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 9 Tamin'ny taona faha roapolo nanjakan'i Jeroboama mpanjakan'ny Israely, dia nanomboka nanjaka teo amin'i Joda i Asa. 10 Nanapaka nandritra ny raika amby efapolo taona tao Jerosalema izy. Imaka no anaran'ny renibeny, ilay zanaka vavin'i Absaloma. 11 Nanao ny marina teo imason'i Yaveh i Asa, toa an'izay nataon'i Davida razambeny. 12 Noroahiny tsy ho amin'ny tany ireo lehilahy mpijangajanga amin'ny fanompoan-tsampy ary nesoriny avokoa ireo sampy izay namboarin'ireo razambeny. 13 Nesoriny tamin'ny maha-mpanjaka vavy azy koa i Maka, renibeny, satria izy nanamboatra sampy maharikoriko avy tamin'ny baon'i Ashera. Nokapain'i Asa ilay sampy maharikoriko ka nodorany tany an-Dohasahan-driaka Kidrona. 14 Fa ireo fitoerana avo tsy mba nesorina. Na izany aza, ny fon'i Asa dia voatokana ho an'i Yaveh tanteraka nandritra ny androny rehetra. 15 Nentiny ho any an-tranon'i Yaveh ny zavatra izay voatokan'ny rainy, sy ireo zavany izay voatokana vita tamin'ny volafotsy sy volamena, ary ireo fanaka. 16 Nisy ady teo amin'i Asa sy Basa mpanjakan'ny Israely, tamin'ny andron'izy ireo rehetra. 17 Nanao herisetra tamin'i Joda i Basa mpanjakan'ny Israely ka nanangana an'i Rama, mba tsy hamelany ny olona hiala na hiditra ao amin'ny tanin'i Asa mpanjakan'i Joda. 18 Ary dia nalain'i Asa ny volafotsy sy volamena rehetra sisa tao amin'ireo efitra fitehirizana tao amin'ny tranon'i Yaveh, sy ireo efitra fitehirizan'ny lapan'ny mpanjaka. Nataony teo an-tanan'ireo mpanompony ary nampanateriny ho an'i Beni-hadada zanaka lahin'i Tabrimoma zanaka lahin'i Heziona, mpanjakan'i Syria, izay nipetraka tany Damaskosy izany. Hoy izy: 19 "Aoka hisy fifanekena amiko sy aminao, tahaka izay nisy teo amin'ny raiko sy ny rainao. Indro, efa nampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho. Ravao ny fanekenao sy Basa mpanjakan'Israely, mba hialany amiko." 20 Nihaino an'i Asa mpanjaka i Beni-hadada ka nandefa ireo mpifehy ny tafiny, ary dia nanafika ny tanànan'Israely izy ireo. Nanafika an'i Iona, Dana, Abelabeti-maka, ary ny Kinerota rehetra, niaraka tamin'ny tanin'i Naftaly rehetra izy ireo. 21 Ary rehefa ren'i Basa izany dia natsahany ny fananganany an'i Rama ary niverina tany Tirza izy. 22 Ary dia nanao fanambarana teo amin'i Joda rehetra i Asa Mpanjaka. Tsy nisy na iray afa-niala. Nalain'izy ireo avokoa ireo vato sy ny hazon'ny Rama izay nanorenan'i Basa ny tanàna. Ary dia nampiasain'i Asa Mpanjaka izany fitaovana fanamboarana izany mba hananganana an'i Geban'i Benjamina sy Mizpa. 23 Ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Asa, ny heriny rehetra, izay nataony rehetra, ireo tanàna naoriny rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda ve ireo? Kanefa nandritra ny androm-pahanterany dia narary tamin'ny tongony izy. 24 Ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Asa ka dia nalevina niaraka tamin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida rainy. I Josafata zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby azy. 25 Nadaba zanaka lahin'i Jeroboama nanomboka nanjaka tamin'ny Israely tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda; nanjaka tamin'ny Israely nandritra ny roa taona izy. 26 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ary nandeha tamin'ny lalan-drainy, sy tamin'ny fahotany, izay nitarihany ny Israely hanota. 27 Basa zanaka lahin'i Ahia, avy amin'ny fianakavian'Isakara, nikomy nanohitra an'i Nadaba; novonoin'i Basa tao Gibetona, izay an'ireo Filistina izy, satria Nadaba sy ny Israely rehetra nanao fahirano tany Gibetona. 28 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia namono an'i Nadaba i Basa ka tonga mpanjaka teo amin'ny toerany. 29 Raha vao lasa mpanjaka izy, dia novonoin'i Basa ny fianakavian'i Jeroboama rehetra. Tsy nisy navelany ny ain'ny taranak'i Jeroboama; izany fomba izany no nandringanany ny fianakavin'ny mpanjaka, araka izay nambaran'i Yaveh tamin'i Ahia Silonita mpanompony, 30 noho ireo fahotan'i Jeroboama izay nataony sy ny nitarihany ny Israely hanota, satria nihantsy ny fahatezeran'i Yaveh, ilay Andriamanitrin'ny Israely izy. 31 Ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Nadaba, sy izay nataony rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Israely ve ireo? 32 Nisy ady teo amin'i Asa sy Basa mpanjakan'ny Israely tamin'ny andron'izy ireo rehetra. 33 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia nanomboka nanjaka teo amin'Israely rehetra tany Tirza i Basa zanaka lahin'i Ahia ary nanjaka nandritra ny efatra amby roapolo taona izy. 34 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ary nanaraka ny fomban'i Jeroboama sy ny fahotany izay nitarihany ny Israely hanota.
ity dia maneho ny faha valo amin'ny folo taona nanjakan'i Rehoboama mpanjaka. D.H: "Taorian'ny naha mpanjaka an'Israely an'i Jeroboama tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo" (UDB)
"Tamin'ny taona 18"
Ny fandehanana dia maneho fiainana, ary ny fandehanana amin'ny fahotàna dia maneho ireo fanaovana ireo fahotàna. D.H: "Manohy ny hampihatra ireo fahotàna rehetra i Abia."
Satria ireo andiany ireo dia maneho ireo mpanjaka maro. Ity vaovao ity dia azo hazavaina tsara. D.H: "ity dia Rehoboama, ray, efa nanota talohan'ny fotoan'i Abia."
Ity andian-teny ity dia maneho ny fotoana izay naha mpanjaka azy. Ny dikan-tenin'izany dia vitamazava tsara. D.H: "talohan'ny naha mpanjaka an'i Abia."
Ny fo dia maneho ny tenan'ny olona manontolo. D.H: "Abia dia tsy notokanana... tahaka an'i Davida"
Ny teny "fanilo" et dia manambara taranaka izay ho mpanajaka toa an'i Davida. D.H: "nanome taranaka an'i Davida hanjaka any Jerosalema"
"tamin'ny alalan'ny fananganana ny zanaka lahin'i Abia nandimby azy" na "tamin'ny alalan'ny fanomezana ny zanaka lahin'i Abia."
Ny maso eto dia manambara fahitàna, ary ny fahitàna dia manambara fisainana na fitsaràna. D.H: "izay hitsaran'i Yaveh amin'ny marina." na "izay heverin'i Yaveh ho marina"
Ny teny "andro" dia maneho vanim-potoana. D.H: "ny fotoana rehetra izay niainan'i Davida" na "nandritry ny fiainan'i Davida manontolo"
Fialàna amin'ny baiko dia manambara tsy fankatoavana. D.H: "Davida dia tsy mba nankatò ireo zavatra rehetra izay nandidian'Andrimanitra azy.3
Ity dia fomba anehoana amin'ny anapobeny ny zava-misy amin'ny Oria. Izany dia azo hadika mazava tsara amin'ny fombany. D.H: "fa afa-tsy izay nataony tamin'i Oria ilay Hitita." na "afa-tsy izay antony nahatonga an'i Oria ilay Hitita ho vonoina."
Ireo anarana "Rehoboama" sy "Jeroboama" ireo manambara ireo tafik'ireo mpnajaka roa rehetra. Rehoboama dia rain'i Abia. D.H: "teo amin'ireo tafik'i Rehoboama sy Jeroboama"
Ny teny "andro" dia maneho vanim-potoana. D.H: "ny fotoana rehetra izay niveloman'i Abia" na "nandritry ny fiainany manontolo."
Ity fanontaniana ity dia nampiasaina hanomezam-baovao na hampahatsiahivana ny mpamaky fa ny vaovao momba an'i Abia dia ao amin'ity boky iray ity. Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo hadika ho fanambaràna. D.H: "Ireo dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda."
D.H: "nisy olona efa nanoratra momba izany tao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda."
Ireo anarana "Abia" sy "Jeroboama" dia maneho ireo tafikin'ny mpanjaka roa. D.H: "teo amin'ny tafik'i Abia sy Jeroboama."
Ao amin'ity fanalefahan-teny ity, fodinamandry dia maneho fahafatesana. D.H: "Abia dia maty tahaka ireo razambeny" na "maty tahaka ireo razambeny i Abia"
Ny andian-teny "teo amin'ny toerany" dia sarinteny midika hoe "fa tsy ny azy". D.H: "lasa mpanjaka afa-tsy Abia."
Ity dia maneho ny taona faha roapolo nanjakan'i Rehoboama. D.H: "taorian'ny naha mpanjakan'Israely an'i Jeroboama nandritry ny roapolo taona maninjitra"
" tamin'ny taona faha 20"
iray taona- "41 taona"
Ny maso eto dia maneho fahitàna, ary ny fahitàna dia maneho fitsaràna. Yaveh dia nahita ka nankasitraka ireo asan'i Asa. D.H: "fa Yaveh dia hitsara amin'ny marina" na "fa Yaveh dia hihevitra ny marina"
Ity dia mety maneho amin'ireo mpijangajanga izay nifandray tamin'ny fanompoan-tsampy sy ireo lehilahy rehetra. D.H: "fivavahana mijangajanga" na "ireo mpijangajanga izay niasa ho an'ireo sampy" na "mpijangajanga lahy"
Hatramin'ny naha mpanjaka an'i Asa, efa niteny an'ireo manam-pahefany hamotika ireo sampy izy. D.H: "Asa no nahatonga ireo sampy ho simba" na "Asa no nanao ireo sampy maharikoriko ho rava"
D.H: "Saingy Asa tsy nandidy ireo olona hanala ireo toerana avo."
Ny fo dia manambara olona. D.H: "voatokana tanteraka i Asa"
Ity dia maneho ny vanim-potoana rehetra izay niainan'i Asa. D.H: "ny fotoana rehetra izay niainan'i Asa" na "nanadritry ny fiainan'i Asa manontolo"
Ny teny "andro" dia manambara vanim-potoana, ary "ny andron'izy ireo rehetra" dia maneho ireo vanim-potoana izay naha mpanjaka an'i Asa sy Basa. D.H: "ny fotoana rehetra izay nanjakan'izy ireo teo amin'i Joda sy Israely."
"nanafika an'i Joda"
Izany dia midika fa ny tafik'i Basa no nambabo an'i Rama voalohany. Ny dikan'ity fanambarana feno ity dia azo atao mazava tsara. D.H: "nambabo sy niaro mafy an'i Rama"
Fametrahana ireo zavatra ireo eo an-tanany dia manambara ny fanomezana ireo zavatra ireo azy ireo. Izany dia midika ny anaovan'izy ireo izany izay iriany ho ataon'izy ireo. Ny dikan'ity fanambarana feno ity dia azo atao mazava tsara. D.H: "Nanome toky izany tamin'ireo mpanompony izy."
Ity dia midika ny niresahany tamin'ireo mpanompony. Asa dia niresaka tamin'ireo mpanompony izay tokony ho resahana amin'i Bena-hadada ka nataon'izy ireo izany. Ny dikan'izany dia azo atao mazava tsara. D.H: "Asa dia niresaka tamin'ireo mpanompony hilaza amin'i Ben-hadada" na "na tamin'ireo mpanompony no nilazan'i Asa tamin'i Bena-hadada."
Ny fifnekena misy eo amin'ny olona roa dia maneho fa ireo olona tisrairay dia manana fifanekena. D.H: "Avelao izy ireo hanana fanekena amin'ny tsirairairy" na "Avelao izahay hananana fanekena malalaka"
Ity fomba fiteny. Eto ny teny "indro" dia manampy fanamafisana amin'izay harahina ary manan-kery izay nolazaina. D.H: "Araka ny porofo izay hananako fanekena iray aminao."
Fandravana ilay fanekena dia manambara fampihatoana izany ary tsy manao ilay efa nampanantenaina ho atao. D.H: "Atsaharo ny fanekenao amin'i Basana mpanjakan'Israely araka ny nampanantenainao tamin'ny fanekenao taminy.
Asa dia naniry an'i Basana hanafika an'Israely. Bena-hadada dia hanao izany ihany toy ny nandàvany ny fanekeny tamin'ny mpanjakan'Israely. Ny dikan'izany fanambarana izany dia azo atao mazava tsara. D.H: "Atsaharo ny fanekenao amin'i Basana mpanjakan'Israely, ary manafiha an'Israely."
Ity andian-teny ity dia nampiasaina eto hanamarihana zava-dehibe iray ao amin'ny tantara. Raha misy fomba hanaovana izany ao amin'ny fiteninao, dia azonao heverina ny fampiasana izany eto.
Basana mpanjaka dia nanao izany tamin'ny filazàna ireo mpiasany hanao izany. D.H: "nanana ny piasany izy nampitsahatra n fananganana an'i Rama."
Ity anaran-tanàna.
D.H: "Ny olona rehetra dia nankatò ny fanambaran'i Asa mpanjaka."
Ity fanontaniana ity dia nampiasaina anomezam-baovaovao na hampahatsiahivana ireo mpamaky fa ny vaovao mahakasika an'i Abia dia ao amin'ity boky hafa ity. Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo hadika ho fanambarana. D.H: "Ireo dia voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda"
D.H: "misy olona nanoratra nahakasika izany tao amin'ny Bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda."
Fodiana mandry eto dia fanalefahan-teny izay maneho fahafatesana. D.H: "Asa dia maty toy ny nahafatesan'ireo razambeny"
D.H: "ary nalevin'izy ireo niaraka tamin'ireo razambeny izy."
Ny teny "ray" et dia maneho an'ireo razambe. D.H: "Davida mpanjaka, no razambeny."
Ny toko faha 15 sy faha 16 ambiny dia mahakasika ny mpanjakan'Israely. Ireo tranga ireo dia niseho raha mbola velona i Asa mpanjakan'ny Joda.
Ity dia maneho ny taona faharoa amin'ny fanjakan'i Asa. D.H: "rehefa mpanjakan'ny Joda nandritry ny roa taona maninjitra i Asa."
"Nabada dia nanjaka teo amin'Israely roa taona"
Ny mason'i Yaveh dia maneho ny fitsaràny. D.H: "izay ratsy teo amin'ny fitsaran'i Yaveh" na "izay heverin'i Yaveh ho ratsy"
Ny fandehanana dia maneho toetra. D.H: "ireo zavatra mitovy izay vitan'ny rainy."
Ny fandehananyamin'ny azy manokana dia midika fahotàna amin'ny fomba nanotan'ny rainy izay avy amin'ny fomba samihafa. D.H: "ary nanota tamin'ireo fombany izy."
Fitarihana ny olona hanao zavatra dia maneho fitaomana azy ireo hanao izany. D.H: "ary tamin'ny alalan'ny fihiràna, no nitaona an'Israely hanota izy."
"nitetika hamono an-tsokosoko an'i Nadaba mpanjaka"
Ity dia anaran-tanàna.
Ny andianteny "Israely rehetra" dia amin'ny ankapobeny izay maneho ny tafik'Israely maro. D.H: "Nadaba sy ireo miaramilan'Israely maro" na "Nadaba sy ireo tafik'Israely"
"nanodidina an'ny Gibetona, mba hanodidina azy ireo ny olon'ny Gibetona"
Ny andian-teny "teo amin'ny toerany" dia fomba fiteny midika hoe "afa tsy izy" D.H: "lasa mpanjaka afa-tsy Nadaba"
Ireo fehezanteny roa ireo midika zavatra mitovy ary natambatra hanasongadiana ireo taranany rehetra izay novonoina.
Jeroboama no rain'i Nadaba mpanjaka rainy.
Ny aina eto dia manambara fahavelomana. D.H: "Tsy nisy navelany ho velona ny taranak'i Jeroboama"
"fianakavian'i Jeroboama"
Yaveh dia niresaka tamin'i Ahia mpaminaniny ary niteny tamin'i Jeroboama fa horinganiny ny fianakaviany.
"Ahia ilay avy any Silo"
Ny anarana "hota" dia azo hanehoanany matoanteny hoe "manota". D.H: "satria nanota i Jeroboama ary nitarika an'Israely hanota tamin'ny fomba mitovy"
Fitarihana olona hanao zavtra dia mampiseho fitarihana azy ireo hanao zavatra. D.H: "amin'izay nitarihany an'Israely hanota."
Ity fanontaniana ity dia nampiasaina hanomezam-baovavao na hampahatsiahivana ireo mpamaky fa ny vaovao mahakasika an'i Nadaba dia voasoratra ao amin'ity boky ity. Ity fanontaniana fampisainana ity dia mety voasoratra ho fanambaràna. D.H: "ireo dia vasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ny mpanajakan'Israely."
D.H: "nisy olona nanoratra nahakasika ity tao amin'ny Bokin'ny tanataran'ny mpanjakan'Israely."
Ny teny "andro" dia manambara vanim-pototana, ary "ny andron'izy ireo rehetra" dia maneho ny vanim-potoana rehetra izay naha mpanjaka an'i Asa sy Basa. D.H: "ny fotoana rehetra izay nanjakan'izy ireo teo amin'ny Joda sy Israely."
Ity toko ity dia miresaka ny fomba naha lasa mpanjaka an'i Basa. Ireo andininy dia manomboka miresaka ny mahakasika an'i Basa ho mpanjakan'Israely.
Ity dia anaran-tanàna.
Ny eo imason'i Yaveh dia maneho ny fitsaran'i Yaveh. D.H: "izay ratsy teo amin'ny fitsaràn'i Yaveh" na "izay heverin'i Yaveh ho ratsy"
Ny fanarahana dia mampiseho toertra. D.H: "ireo zavatra mitovy izay efa nataon'i Jeroboama."
Mety ny dika hoe "ny azy" na "izy" dia maneho an'i 1) Basa na 2) Jeroboama.
Ny fitarihana ny olona hanao zavatra dia maneho fitarihana azy ireo hanao zavatra. D.H: "ka tamin'ny alalan'ny fihiràna, no nitarihany an'Israely hanota."
1 Tonga tamin'i Jeho zanak'i Hanany ny tenin'i Yaveh hanohitra an'i Basa, nanao hoe: 2 "Na dia efa nanaisotra anao hiala amin'ny vovoka aza aho sy nanao anao ho mpitarika eo amin'Israely vahoakako, dia efa nanaraka ny fomban'i Jeroboama ianao ary nampanota an'ny Israely vahoakako, mba hampatezitra ahy amin'ny fahotan'izy ireo. 3 Indro, haringako tanteraka i Basa sy ny ankohonany ary hanao ny ankohonanao ho toy ny ankohonan'i Jeroboama zanak'i Nebata aho. 4 Hohanin'ireo amboa ny olon'i Basa izay maty ao an-tanàna, ary ireo voron'ny lanitra dia hihinana ny olona izay maty eny an-tsaha." 5 Ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Basa, izay nataony, sy ny heriny, moa ve ireny tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ireo? 6 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Basa ary nalevina tany Tirza, ary Elaha zanany no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 7 Dia tonga nanohitra an'i Basa sy ny fianakaviany ny tenin'i Yaveh tamin'ny alalan'ny Jeho mpaminany zanak'i Hanany, nohon'ny ratsy rehetra izay nataony teo imason'i Yaveh, mba hampatezitra azy amin'ny asan'ny tanany, toy ny fianakavian'i Jeroboama, ary satria efa namono ny fianakavian'i Jeroboama rehetra ihany koa izy. 8 Tamin'ny fahenina amby roapolo taona nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia nanomboka nanjaka teo amin'ny Israely tany Tirza i Ela zanak'i Basa; nanjaka nandritra ny roa taona izy. 9 Zimry mpanompony, kapitenin'ny antsasaky ny kalesiny, dia nitetika hanohitra azy. Ary tany Tizra i Ela, nampimamo ny tenany ao an-tranon'i Arza, izay teo amin'ny ankohonan'i Tirza. 10 Dia niditra i Zimry, nanafika sy namono azy, tamin'ny faha fito amby roapolo taona nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, ka lasa mpanjaka nisolo ny toerany. 11 Rehefa nanomboka nanjaka sy napetraka teo amin'ny seza fiandrianany i Zimry, dia namono ny fianakavian'i Basa rehetra izy. Tsy namela lehilahy iray tamin'ny havana sy naman'i Basa ho velona izy. 12 Koa noringanin'i Zimry ny fianakavian'i Basa rehetra, araka ny tenin'i Yaveh izay nolazainy hanohitra an'i Basa tamin'ny alalan'ny Jeho mpaminany, 13 nohon'ny fahotan'i Basa rehetra sy ny fahotan'i Ela zanany izay nataon'izy ireo, sy ny nitarihan'izy ireo ny Israely hanota, mba ho nahafahan'izy ireo nihantsy an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, mba ho tezitra amin'ny sampin'izy ireo. 14 Ny amin' ireo zavatra mahakasika an'i Ela, izay rehetra nataony, moa ve ireny tsy efa voasoratra tao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Israely? 15 Tamin'ny fahafito amby roapolo taona nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia nanjaka tany Tirza nandritra ny fito andro monja i Zimry. Ary nitoby tao Gibetona, izay an'ireo Filistina ny tafika. 16 Ireo tafika nitoby tany dia nandre ilay teny hoe: "Nikonokonona i Zimry ary efa namono ny mpanjaka." Koa tamin'izany andro izany tany an-toby, ny Israely rehetra dia nanambara an'i Omry, ho mpifehy ny tafika, ho mpanjaka eo amin'i Israely. 17 Nandeha niakatra avy tany Gibetona i Omry sy ireo Israely rehetra niaraka taminy, ary nanao fahirano an'i Tirza izy ireo. 18 Rehefa hitan'i Zimry fa efa azo ny tanàna, dia niditra tao amin'ny fiarovana mafy izay nikambana tamin'ny lapan'ny mpanjaka izy ary nandoro ny trano teo aminy; tamin'izany fomba izany no nahafatesany tao anaty afo. 19 Izany dia nohon'ny fahotana vitany tamin'ny fanaovana izay ratsy teo imason'i Yaveh, tamin'ny fanarahana ny fomban'i Jeroboama sy tamin'ny fahotana izay efa nataony, mba hitarika ny Israely hanota. 20 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Zimry, sy ireo fivadihana izay nataony, moa ve ireo tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely? 21 Avy eo dia nozaraina ho antoko roa ireo vahoakan'Israely. Nanaraka an'i Tibny zanak'i Ginata ny antsasaky ny vahoaka, mba hanao azy ho mpanjaka, ary ny antsasany nanaraka an'i Omry. 22 Fa nahery noho ireo olona nanara-dia an'i Tibny zanak'i Ginata ireo olona nanaradia an'i Omri. Ka maty i Tibnia; ary lasa mpanjaka i Omri. 23 Nanomboka nanjaka teo amin'ny Israely tamin'ny faha iraika amby telopolo taona nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda i Omry, ary nanjaka nandritra ny roa ambin'ny folo taona. Nanjaka tany Tirza nandritra ny enin-taona izy. 24 Novidiany tamin'i Samera tamin'ny talenta volafotsy roa ny havoan'i Samaria. Nanorina tanàna teo amin'ilay havoana izy ary nanao ny anaran'ny tanàna hoe Samaria, araka ny anaran'i Samera, ilay tompon'ny havoana teo aloha. 25 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Omry ary ratsy fanahy mihoatra izay rehetra teo alohany. 26 Fa nandeha tamin'ny lalana rehetra an'i Jeroboama zanak'i Nebata sy ny fahotany izay nitarihany ny Israely hanota, mba hiantsy an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, mba ho tezitra amin'ny sampin'izy ireo izay tsy misy dikany izy. 27 Raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika izay nataon'i Omry, sy ny hery izay nasehony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve ireo? 28 Koa dia nodimandry niaraka tamin'ireo razany i Omry ary nalevina tany Samaria ary Ahaba zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. 29 Tamin'ny fahavalo amby telopolo taona nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia nanomboka nanjaka teo amin'ny Israely Ahaba zanak'i Omry. Nanjaka teo amin'ny Israely tao Samaria nandritra ny roa amby roapolo taona i Ahaba zanak'i Omry. 30 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Ahaba zanak'i Omry, mihoatra noho ireo rehetra izay teo alohany. 31 Zavatra tsy nisy dikany tamin'i Ahaba ny nandeha tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, koa dia nalainy ho vadiny i Jezebela zanaka vavin'i Etibala, mpanjakan'ireo Sidoniana; nandeha ary nanompo an'i Bala izy ka niankohoka taminy. 32 Nanorina alitara ho an'i Bala tao an-tranon'i Bala izy, izay naoriny tany Samaria. 33 Dia nanamboatra baon'Aseraha i Ahaba. Mbola nanao mihoatra noho izany aza i Ahaba mba hampahatezitra an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, mihoatra an'ireo mpanjakan'Israely rehetra teo alohany. 34 Nandritra ny fitondran'i Ahaba, dia namerina nanorina an'i Jeriko i Hiela avy any Betela. Hiela dia nametraka ny fototry ny tanàna tamin'ny ain'i Abirama, zanany lahimatoany; ary Segoba, faralahiny; dia namoy ny ainy raha nanorenany ireo vavahadin'ny tanàna, araka ny tenin'i Yaveh izay nolazainy tamin'i Josoa zanak'i Nona.
Ity fomba fiteny ity dia midika an'Adnriamanitra niresaka. D.H: "Yaveh dia nialaza ny hafany"
Ity no hafatr'Adnriamanitra izay nanoloran'i Jeho an'i Basa. Ny teny "ianao" dia maneho an'i Basa.
"Nanandratra anao hiala amin'ny vovoka aho" Ny vovokin'ny tany dia maneho zavatra tsy manan-danja. Fanandratana olona dia mampiseho ny fanaovana azy ho manan-danja. D.H: "Nanandratra anao avy amin'ny toerana tsy misy fotony aho" na "raha vao tsy nanana hery ianao na fitarihana teo amin'ny olona, dia nanao anao ho manan-danja aho."
Ny fanarahana dia manambara toetra. Jeroboama sy Basa mitambatra dia nanota. Ny dikan'ity fanambaràna feno ity dia afaka natao mazava tsara. D.H: "efa nanao ireo zavatra mitovy arakan ny nataon'i Jeroboama ianao." na "efa nanota tahaka ny nanotàn'i Jeroboama ianao"
Yaveh dia mitohy miresaka amin'i Basa izay ho ataony azy.
Yaveh dia miresaka amin'i Basa, ka ny andian-teny "ny ankohonany" dia maneho ny fianakavian'i Basa. Ity dia azo hadika ampiasaina amin'ny teny "ianao" sy "ny anao". D.H: "Henoy, ry Basa. Ho ringaniko tanteraka ianao sy ny fianakavianao."
Ny fandringanana dia maneho fandravàna. D.H: "Ho ravàko tanteraka"
Ity fanontaniana ity dia nampiasaina anomezam-baovao na hampahatsiahivana ireo mpamaky fa ny vaovao mahakasia an'i Basa dia voasoratra ao amin'ity boky iray ity. Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo hadika ho fanambaràna. D.H: "ireo dia voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely."
D.H: "nisy olona efa nanoratra momba ireo tao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely."
Fodiana mandry dia fanalefahan-teny izay maneho fahafatesana. D.H: "Basa dia maty toy ny nahafatesan'ireo razambeny" na "Toy ireo razambeny no nahafatesan'i Basa."
D.H: "ary nandevina azy ny olona"
Ity dia anaran-tanàna.
Ny andian-teny "teo amin'ny toerany" dia sarinteny iray midika hoe "afa-tsy ny azy." D.H: "lasa mpanjaka afa-tsy i Basa."
Ity dia sarin-teny izay nampiasaina hampidirana zavatra izay noresahan'i Yaveh tamin'reo mpaminaniny sy ny olony. D.H: "niresaka ity hafatra ity i Yaveh" na "Yaveh dia niresaka ireo teny ireo"
Ny eo imason'i Yaveh dia maneho ny fitsaràn'i Yaveh. D.H: "ny ratsy rehetra izay nataon'i Basa teo amin'ny fitsaràn'i Yaveh" na "ny ratsy rehetra nataon'i Basa izay noheverin'i Yaveh ho ratsy"
Ny anarana "hatezerana" dia azo aseho amin'ny teny hoe "tezitra". D.H: "ka mba hampahatezitra loatra an'i Yaveh." na "izay hampahatezitra loatra an'Andriamanitra"
Ny tanana dia maneho an'i Basa na ireo asany. D.H: "tamin'ireo zavatra efa nataon'i Basa"
Ity dia anaran-tanàna.
"Ela mpanompon'i Zimry"
Ny teny "kalesy" eto dia maneho ireo miaramila izay nitondra ireo kalesy. D.H: "ny an-tsasak'ireo mpitondra kalesiny"
Ity dia fomba fiteny. D.H: "fisotroana divay be loatra no naha mamo azy" na "naha mamo"
Ny teo amin'ny ankohonana dia maneho ny fandraisana an-tanana ireo zavatra ao an-tranon'i Ela mpanjaka. D.H: "izay nandray an-tanana ireo zavatra tao an-tranon'i Ela mpanjaka"
"nanafika sy namono an'i Ela"
Ny andian-teny "teo amin'ny toerany" dia sarinteny midika hoe "afa-tsy ny azy" D.H: "lasa mpanjaka afa-tsy i Ela"
Ity dia midika izay namonoany ny olona sy ny lehilahy rehetra. D.H: "Tsy namela na dia lehilahy iray ho velona izy."
"ny hafatr"i Yaveh"
Firesahana "amin'ny alalan'ny" mpaminany iray dia maneho filàzana mpaminany iray miresaka sy ny firesahan'ny mpaminany. D.H: "fa Yaveh dia hilaza amin'i Jeho mpaminany hiresaka hanohitra an'i Basa."
Fitarihana olona hanao zavatra dia maneho fitarihana azy ireo hanao zavatra amin'izany. D.H: "Izy ireo dia nitarika an'Israely hanota."
Eto ny teny "Israely" dia maneho ireo fokon'Israely tavaratra folo. Basa sy Ela dia efa mpanjakan'izy ireo.
Lasa tezitra tamin'ny olona Andriamanitra satira nanompo sampy izy ireo. Ny dikan'izany dia natao mazava tsara. D.H: "Namapahatezitra an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Ysraely izy ireo, satria nanompo sampy."
Eto ny teny "Israely" dia maneho ireo taranaky ny foko roa ambin'ny folo avy amin'i Jakoba.
Ity fanontaniana ity dia nampiasaina anomezam-baovao na hampahatsiahivana ireo mpamaky fa ny vaovao momba ny Ela dia ao amin'ity boky iray ity. Ity fanontaniana fampisainana ity azo hadika ho fanambaràna. D.H: "ireo dia voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely."
D.H: "nisy olona efa nanoratra momba ireo tao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely."
ity dia anaran-tanàna.
Ny teny "tafika" dia maneho ireo fanjakan'Israely.
Ity dia anaran-tanàna.
D.H: "Ireo miaramila izay nitoby tany dia nandre olona niteny."
ity andian-teny ity dia nampiasaina tamin'ny fotoana miaraka, izy dia maneho ny tafik'Israely. Eto ny teny "rehetra" dia midika amin'ny ankapobeny hoe "ny ankamaroany". D.H: "ny tafik'Israely rehetra" na "ny ankamaroan'ny miaramila ao amin'ny tafik'Israely" na "ny tafik'Israely"
D.H: "fa i Omry sy ny tafika efa naka ny tanàna."
Ny eo imason'i Yaveh dia maneho ny fitsaràn'i Yaveh. D.H: "izay ratsy teo amin'ny fitsaràn'i Yaveh." na "izay noheverin'i Yaveh ho ratsy."
Fanarahana eto dia maneho toetra. D.H: "fanaovana zavatra mitovy araka izay efa nataon'i Jeroboama"
Fitarihana ny olona hanao zavatra dia manambara fitarihana azy ireo hanao zavatra. D.H: "mba hitarihana an'Israely hanota"
Ity fivadiana dia maneho ny tetik'i Zimry hamono an'i Ela, ilay mpanjakan'Israely. Ny dikan-teny fenon'ity fanambaràna ity dia natao mazava tsara. D.H: "ahoana mo no fomba hitetehany hamonoana an'i Ela mpanjaka" na "ny fomba namonoany ny mpanjakan'Israely."
Ity fanontaniana ity dia nampiasaina anomezam-baovao na hampahatsiahivana ireo mpamaky fa ny vaovao momba ny Zimry dia ao amin'ity boky iray ity. Ity fanontaniana fampisainana ity azo hadika ho fanambaràna. D.H:"ireo dia voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely."
D.H: "nisy olona efa nanoratra ny momba ireo tao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely"
Eto ny hoe "nanaraka" dia maneho fanohanana na maniry ny hametraka azy jo mpanjaka. D.H: "nanohana an'i Tibni zanaka'i Ginata, hametrahana azy ho mpanjaka, ary ny antsasany nanohana an'i Omry" na "naniry nyan'i Tibni zanak'i Ginata mpanjaka, ary ny antsasany naniry ny hametraka an'i Omry ho mpanjaka"
"nanam-pahefana ireo vahoaka izay nanaraka an'i Tibni"
Ity dia narana tanàna.
Ity dia anarana lehilahy iray.
D.H: "volafotsy 68 kilograma"
Ny teny hoe "Izy" dia maneho an'i Omri. Nibaiko ny olona mba hanorina ny tanàna izy. D.H: "Nanana ny vahoaka izay nanorina ny tanàna i Omri" na "nibaiko i Omri ary nanorina ny tanàna ireo mpiasany"
izany dia fomba fiteny izay midika hoe "mba hanome voninahitra an'i Samera" na "mba hahatsiaro an'i Samera ny vahoaka"
Ny mason'i Yaveh dia manambara ny fitsaran'i Yaveh. D.H: "Izay ratsy teo amin'ny fitsaran'i Yaveh" na "izay nosokajian'i Yaveh ho ratsy"
fandehanana dia manambara fahazarana. D.H: "vita ve reo zavatra mitovy izay nataon'i Jeroboama zanak'i Nebata"
ireo mety ho hevitrin'ny "izy" sy "izy" dia maneho an'i 1)Basa na 2)Jeroboama.
Ireo mety ho hevitry ny nandeha tamin'ny fahotany dia manambara 1) Manota toy ny nanotan'i Jeroboama. D.H: "nanota toy ny nanotan'i Jeroboama koa izy" na 2)nanota am-pahazarana. D.H: "nanota am-pahazarana"
Mitarika ny olona hanota dia maneho fitarihana azy ireo hanota. D.H: "ny fahotany, izay nitarihany ny Israely mba hanota" na "ary nanota toy izao, nitarika ny olona hanota izy."
Tezitra tamin'ny vahoaka i Yaveh satria nanompo sampy izy ireo. D.H: "mba hampahatezitra an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely, satria nanompo ireo sampiny izay tsy misy dikany izy ireo"
Ny teny hoe "tsy misy dikany" eto dia mampatsiahy ny olona izay tsy misy dikany satria tsy afaka manao na inona na inona. D.H: "ireo sampiny, izay tsy misy dikany" na "ireo sampiny, izay tsy misy ilana azy"
Eto ny teny hoe "Israely" dia maneho ireo foko roa ambin'ny folo rehetra avy amin'ny taranak'i Jakoba.
Ity fanontaniana ity dia ampiasina mba hampahafantatra na hampatsiahy ny mpamaky fa ny mombamomba an'i Omri dia ao anatin'ny boky sasany. D.H: "Voasoratra ao amin'ny Bokin'ny Tantaran'ny Mpanjakan'ny Israely izy ireo. "
D.H: "Nisy olona nanoratra ny momba azy ireo tao amin'ny Bokin'ny Tantaran'ny Mpanjakan'ny Israely."
Ny fanalefahan-teny "nodimandry" eto dia maneho fahafatesana. D.H: "maty niaraka tamin'ireo razany i Omri" na "tahaka ireo razany, dia maty i Omri"
Ny andian-teny hoe "eo amin'ny toerany' dia sarinteny midika hoe "teo amin'ny toerany." D.H: "lasa mpanjaka teo amin'ny toeran'i Omri"
Ny mason'i Yaveh dia manambara ny fitsaran'i Yaveh. D.H: "Izay ratsy teo amin'ny fitsaran'i Yaveh" na "izay nosokajian'i Yaveh ho ratsy"
Izany dia te hilaza fa ny zavatra izay nataon'i Ahaba dia fahotana tena ratsy. Ny dikan'izany fanambarana izany dia afaka atao mazava tsara. D.H: "Izany dia toy ny nandehanan'i Ahaba tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata izay tsy ampy ihany"
Izany dia fomba fiteny. Ny andian-teny hoe "tamin'i Ahaba" dia midika fa noheverina ho i Ahaba na zavatra hafa. D.H; "Noheverin'i Ahaba ho zavatra tsy misy dikany izany" na "Nihevitra i Ahaba fa tsy ampy izany"
"zavatra izay tsy hita izay hamaritana azy" na "tsy ampy"
Mandeha amin'ny fahotan'i Jeroboama dia maneho ny fahotana izay nanotan'i Jeroboama. D.H: "manota tahakan'ny nanotan'i Jeroboama zanak'i Nebata"
Ireto andian-teny roa ireto dia manambara zavatra mitovy. Ny andian-teny hoe "niankohoka taminy" dia mamaritra ny fihetsika izay ampiasain'ny olona amin'ny fanompoana.
Eto, ny teny hoe "Israely dia maneho ireo firenen'ny Israely, izay ahitana ireo foko roa ambin'ny folo.
Eto ny teny hoe "Israely " dia maneho ireo fanjakan'Israely, izay ahitana ireo foko folo.
Ny vokatry ny fanorenana ny tanàna dia nambara fa toy ny vidiny izay naloan'i Hiela. D.H "ary ny vokatry ny fahotany dia i Abirama, zanany lahimatoa, maty"
Ny fahafatesana dia nambara ho toy ny fahaverezan'ny aina. D.H: "Segoba, faralahiny, dia maty"
"Raha nanorina ny vavahadin'ny tanàna i Hiela"
"araka izay voalazan'ny tenin'i Yaveh"
Eto ny teny hoe "teny" dia maneho hafatra iray. D.H: "ny hafatr'i Yaveh"
D.H: "izay nasain'i Yaveh nolazain'i Josoa zanak'i Nona"
1 Elia ilay Tisbita, avy any Tisba any Gileada, niteny tamin'i Ahaba hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely, izay ijoroako eo anoloany, dia tsy hisy ando na orana amin'ity taona ity raha tsy milaza izany aho." 2 Tonga tamin'i Elia ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 3 "Mialà eto ary mandehana miatsinanana; miafena ao amin'ny lohasahan-driaka Kerita, atsinanan'i Jordana. 4 Ary hisotro ny rano avy ao amin'ny lohasahan-driaka ianao, ary efa nandidy ireo goaika aho hamahana anao any." 5 Ka nandeha i Elia ary nanao araka izay nandidian'ny tenin'i Yaveh. Nandeha izy mba hipetraka eo amin'ny lohasahan-driaka Kerita, atsinanan'i Jordana. 6 Nitondra mofo sy hena ho azy ireo goaika ny maraina ary mofo sy hena ny hariva, ary nisotro tamin'ilay lohasahan-driaka izy. 7 Fa rehefa afaka kelikely dia ritra ilay lohasahan-driaka satria tsy nisy orana tamin'ny tany. 8 Tonga taminy ireo tenin'i Yaveh, milaza hoe: 9 "Mitsangàna, mandehàna any Zarefata, izay an'i Sidona, ary mitoera any. Indro, efa nandidy mpitondratena tany aho mba hampisakafo anao." 10 Ka nitsangana izy ary nandeha tany Zarefata, ary rehefa tonga teo am-bavahadin'ny tanàna izy dia nisy mpitondratena iray nanangona tapa-kazo teo. Dia niantso azy izy ary ary nanao hoe: "Mba hitondrao rano kely anaty siny re aho mba hahafahako misotro." 11 Raha nandeha haka rano izy dia niantso azy izy, ary hoy izy: "Mba hitondrao mofo iray eny an-tananao re aho." 12 Dia namaly izy hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh Andriamanitrao, dia tsy manana mofo aho, fa sakafo eran'ny tanana anaty siny sy menaka kely anaty tavoara ihany. Indro, manangona tapa-kazo roa aho mba hahafahako miditraao dia mahandro izany ho ahy sy ho an'ny zanako, mba hihinananay izany, ary ho faty." 13 Hoy Elia taminy: "Aza matahotra. Mandehàna ary ataovy araka izay efa nolazainao, nefa anaovy mofo kely aho aloha ary ento mivoaka eto amiko izany. Ary rehefa vita izany dia manaova ho anao sy ho an'ny zanakao. 14 Fa Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely, miteny hoe: 'Tsy ho foana ny sinin-tsakafo, na hijanona hikoriana ny tavoaran'ny menaka, mandra-pahatonga ny andro handatsahan'i Yaveh ny orana eto an-tany." 15 Dia nanao araka izay nolazain'i Elia taminy izy. Izy sy Elia, niaraka tamin'ny ankohonany, dia nihinana nandritry ny andro maro. 16 Tsy foana ny sinin-tsakafo, na nijanona nikoriana ny tavoaran'ny menaka, araka izay efa nolazain'ny tenin'i Yaveh, araka izay voalazany tamin'i Elia. 17 Taorian'ireo zavatra ireo, dia narary ny zanaky ravehivavy, izay tompon'ny trano. Tena nahery vaika tokoa ny aretiny ka tsy niaina intsony izy. 18 Ka hoy ny reniny tamin'i Elia: "Inona no olanao amiko, ry lehilahin'Andriamanitra? Tonga eto amiko mba hampatsiahy ahy ny fahotako ary hamono ny zanako ve ianao?" 19 Dia namaly azy Elia hoe: "Omeo ahy ny zanakao lahy." Nalainy tamin'ny sandriny ilay zazalahy ary nentiny niakatra tao amin'ny efitra izay nijanonany, ary nampandriany teo amin'ny fandriany ilay zaza. 20 Nihiaka tamin'i Yaveh izy ary niteny hoe: "Yaveh Andriamanitro o, moa ve nitondra loza teo amin'ilay mpitondratena izay hijanonako ihany koa Ianao, tamin'ny famonoana ny zanany?" 21 Avy eo dia naninjitra ny tenany intelo teo amin'ilay zaza i Elia; nihiaka mafy tamin'i Yaveh izy ary niteny hoe: "Yaveh Andriamanitro o, mitalaho Aminao aho, avelao re hiverina ao aminy ny ain'ity zaza ity." 22 Nihaino ny feon'i Elia Yaveh; ka niverina taminy ny ain'ilay zaza, ary velona indray izy. 23 Nalain'i Elia ilay zaza ary nentiny nivoaka tao amin'ny efitranony hidina ho ao an-trano; dia natolony an-dreniny ilay zaza ary hoy izy: "Indro, velona ny zanakao." 24 Hoy ravehivavy tamin'i Elia: "Ankehitriny fantatro fa lehilahin'Andriamanitra ianao, ary ny tenin'i Yaveh ao am-bavanao dia marina."
Izany dia anaran'ny fikambanan'ny olona avy any Tisba.
Izany dia anarana renivohitra any amin'ny faritr'i Gileada.
Ity andian-teny ity dia fianianana mba hampisongadina fa izay lazainy dia marina.
Izany dia fomba fiteny izay midika hoe "manompo" D.H: "izay tompoiko"
rano kely miforona eo amin'ny zava-maniry mandritra ny alina.
Ity dia fomba fiteny izay midika fa miteny i Yaveh. D.H: "miteny ny hafany i Yaveh"
Ity dia anarana loharono kely mikoriana.
Ity andian_teny ity dia ampiasaina mba hanehoana ny fomba nikarakaran'i Yaveh an'i Elia nandritra ny hain-tany. D.H: "eto"
vorona mainty, lehibe
Eto "ny teny" dia manambara ny tenan'i Yaveh. D.H: "araka izay nandidian'i Yaveh"
Ity dia anarana loharono kely mikoriana.
"tamin'izany renivohitra izany" na "tamin'izany tanàna izany"
Ity dia fomba fiteny izay midika fa miteny i Yaveh. D.H: "miteny ny hafany i Yaveh"
Eto ny teny hoe "zy" dia manambara an'i Elia.
Renivohitra izany.
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy manasongadina izay arahina.
Ity andian-teny ity dia voady iray hanamafisana fa izay lazainy dia marina.
"hanina kely fotsiny ihany"
"koba" Ity ampiasaina anaovana mofo.
Ny teny "indro" eto dia manampy fanamafisana izay ho arahina.
Ity dia mety maneho tapa-kazo roa na tapa-kazo vitsy ihany.
Izany dia midika fa ho faty izy ireo satria tsy manana sakafo izy ireo. D.H: "izay azontsika hoanina. Rehefa vita izany, dia ho maty mosary isika"
Dia ho tanteraka izany fa ho feno koba sy menaka hanaovana mofo maro any.
Ity dia fomba fiteny izay midika fa i Yaveh no nahatonga izay hanorana. D.H: "Yaveh no mahatonga ny orana hilatsaka"
Ny fiteny ten izy dia milaza hoe: "izy sy ny ankohonany dia nihinana nandritry ny andro maro." Tsy mazava izany hoe iza no "izy". Ireo mety ho heviny dia 1) Elia, ialy manantena, sy ny zanany lahy dia nihinana nandritry ny andro maro. na 2) ilay manantena, sy ny zanany lahy, ary izay mitoetra ao amin'ny ankohonany dia nihinana nandritry ny andro maro na 3) Elia, ilay manantena, sy izay mitoetra ao amin'ny ankohonany dia nihinana nandritry ny andro maro.
ireo mety ho heviny ho an'ny "ankohoanana" dia 1) ity dia maneho an'ilay zanaka lahin'ilay manantena fotsiny ihany na 2) ity dia maneho olon-kafa izay mitoetra ao amin'ny ankohonany siangy tsy nantsoina tao amin'ny tantara na 3) Ity dia maneho ny zanany lahy sy izay mitoetra ao amin'ny ankohonany.
Eto ny "teny" dia maneho an'i Yaveh tenany. D.H: "araka izay nolazain'i Yaveh fotsiny"
"ny zanaky ravehivavy izay tompon'ny trano."
ity dia fomba mihaja hilazàna ny nahafaty an-drazazaly. D.H: "nijanona ny ainy" na "maty izy"
Ny andian-teny "lehilahin'Andriamanitra" dia mpaminany kely iray hafa.
Ity dia midika hota amin'ny nakapobeny fa tsy hota manokana? D.H: "amin'ny hotako"
Eto "izy" dia maneho an'i Elia.
Eto "ny azy" dia maneho an'i Elia.
Ireo mety ho dikany dia 1) Nangataka fanontaniana marina Elia. D.H: "nahoana ianao no nahatonga ilay manantena hiaraka amin'izay hijanonako hampahoriana na dia amin'ny famonoana ny zanany lahy ary" na 2) Elia dia mampiasa ity fanontaniana ity hanehoany ny alahelony. D.H "azo antoka, fa tsy hahatonga ilay manantena hiaraka amin'izay hijanonako aho na dia amin'ny famonoana ny zanay lahy aza"
Ny mahatonga ilay manantena hijaly dia voalaza toy ny hoe "loza" izay antony iray nametrahana azy ho mpitondra tena.
Eto ny "ihany koa" dia midika fanampiana amin'ny loza efa nahatonga ny hain-tany.
Ity dia fomba fiteny. D.H: "napetraka teo ambonin'ilay zaza."
Eto "ny feo" dia manambara izay nivavahan'i Elia. D.H: "Namaly ny vavak'i Elia i Yaveh."
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. D.H: "velona indray ilay zaza" na "niaina indray ilay zaza"
Et "ny azy" dia maneho an'i Elia.
Ny teny "indro" eto dia manaitra antiska hiomana amin'ny vaovao tsy ampoizina manaraka.
Eto ny "teny" dia manambara hafatra. Ary ihany koa, "ny molotra" dia manambara fa niteny i Elia. D.H: "ny hafatra izay noresahinao avy amin'i Yaveh dia marina"
1 Ary rehefa afaka andro maromaro dia tonga tamin'i Elia ny tenin'i Yaveh, tamin'ny taona fahatelon'ny hain-tany, nanao hoe: "Mandehana, misehoa amin'i Ahaba dia handefa orana amin'ny tany Aho." 2 Nandeha niseho tamin'i Ahaba Elia; ary mafy ny mosary tany Samaria. 3 Ahaba niantso an'i Obadia, izay nisahana ny lapa. Ary Obadia dia nanome voninahitra an'i Yaveh tokoa, 4 ka rehefa namono ireo mpaminanin'i Yaveh Jezebela, dia naka ireo mpaminany zato ary nanafina azy ireo isan-dimampolo tao an-davabato ary namahana azy ireo tamin'ny mofo sy rano i Obadia. 5 Ary hoy Ahaba tamin'i Obadia: "Mandehana mitety ny tany hatrany amin'ny loharano sy ireo lohasahan-driaka rehetra. Fa mety hahita ahi-maitso hamelomana ny soavaly sy ny ampondra isika, mba tsy hisy ho very ny biby fiompy rehetra." 6 Koa nifampizaran'izy ireo ny tany mba andehanany amin'izany ary itadiavany rano. Ahaba nandeha tamin'ny lalana iray ary Obadia nandeha tamin'ny lalana hafa. 7 Raha mbola teny an-dalana Obadia, dia nifanena tampoka tamin'i Elia izy. Obadia nahalala azy ka nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany. Hoy izy hoe: "Ianao ve ity, ry Elia tompoko?" 8 Elia namaly azy hoe: "Izaho ity. Mandehana teneno ny tomponao hoe: 'Indro, ato Elia.'" 9 Dia namaly Obadia hoe: "Inona no fahotako, no atolotrao eo an-tanan'i Ahaba ny mpanomponao, mba hamonoany ahy? 10 Raha mbola velona koa Yaveh Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nandefasan'ny tompoko olona hitady anao. Na oviana na oviana no misy firenena na fanjakana miteny hoe: 'Tsy ato Elia, dia ampanaovin'i Ahaba fianianana hianiana fa tsy nahita anao izy ireo. 11 Nefa ankehitriny hoy ianao: 'Mandehana, teneno ny tomponao fa atsy Elia.' 12 Vantany vao miala aminao aho, ny fanahin'i Yaveh hitondra anao any amin'ny toerana tsy fantatro. Ka raha handeha aho ary hiteny amin'i Ahaba, ary raha tsy hahita anao izy, dia hovonoiny aho. Kanefa izaho, mpanomponao, dia nanompo an'i Yaveh hatramin'ny fahatanorako. 13 Moa tsy nolazaina taminao ve, ry tompoko, izay nataoko rehefa novonoin'i Jezebela ny mpaminanin'i Yaveh, ny fomba nanafenako ny mpaminanin'Yaveh zato ka dimampolo avy no tao anaty lava-bato sy ny namahanako mofo sy rano azy ireo? 14 Ankehitriny hoy ianao amiko: "Mandehana ary teneno ny tomponao fa eto Elia, ka dia hovonoiny aho." 15 Dia namaly Elia hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh tompon'ny maro, izay hitsanganako eo anatrehany, dia hiseho amin'i Ahaba tokoa aho androany." 16 Ka lasa Obadia nandeha mba hijery an'i Ahaba, ary niteny taminy izay nolazain'i Elia. Dia nandeha nihaona tamin'i Elia ny mpanjaka. 17 Rehefa nahita an'i Elia i Ahaba, dia hoy izy taminy: "Ianao ve io? Ianao ilay iray izay mitondra korontana ho an'Israely!" 18 Dia namaly Elia hoe: "Tsy nitondra korontana ho an'Israely aho, fa ianao sy ny fianakavian'ny rainao no olona nampisy korontana tamin'ny alalan'ny fialanareo tamin'ny didin'i Yaveh sy ny fanarahanareo an'i Bala. 19 Koa ankehitriny, mandefasa teny ary hangony eto amiko ny Israely rehetra ao an-tendrombohitr'i Karmela, miaraka amin'ireo mpaminanin'i Bala 450 sy ireo mpaminanin'i Aseraha efajato izay nihinana teo an-databatr'i Jezebela." 20 Dia nandefa teny tany amin'ny vahoakan'ny Israely rehetra sy nanangona niaraka ireo mpaminany tao an-tendrombohit'i Karmela i Ahaba. 21 Ary Elia nanatona ny vahoaka rehetra ka niteny hoe: "Mandra-pahoviana ianao no hiova hevitra hatrany? Raha i Yaveh no Andriamanitra, dia manaraha Azy. Fa raha i Bala no Andriamanitra, dia manaraha azy." Fa ny olona tsy namaly teny azy. 22 Dia hoy i Elia tamin'ny vahoaka hoe: "Izaho, dia izaho irery ihany, no sisa mpaminanin'i Yaveh, nefa ny mpaminanin'i Bala dia olona 450. 23 Koa aoka ireo no hanome omby roa ho antsika. Aoka izy ireo hisafidy omby iray ho an'izy ireo sy handrasarasa izany, ary hampandry izany eo amin'ny kitay, nefa tsy handrehitra afo eo ambanin'izany. Dia hikarakara ilay omby iray hafa aho ka hametraka izany eo amin'ny kitay, ary tsy hanisy afo eo ambanin'izany 24 Dia hiantso ny anaran'ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho hiantso ny anaran'i Yaveh, ary ny Andriamanitra izay hamaly amin'ny afo, dia Aoka izy no ho Andriamanitra." Koa namaly ny olona rehetra ary niteny hoe: "Mety izany." 25 Ary hoy i Elia tamin'ireo mpaminanin'i Bala: "Mifidiana omby iray ho anareo, ary homano mialoha izany, fa olona betsaka ianareo. Dia antsoy ny anaran'ny andriamanitrareo, nefa aza asina afo eo ambanin'ny omby." 26 Dia naka ny omby izay nomena azy izy ireo ary nikarakara izany, dia niantso ny anaran'i Bala hatramin'ny maraina mandra-pitatao-vovonana izy ireo, nanao hoe: "Ry Bala o, mihainoa anay." Nefa tsy nisy feo, na nisy namaly akory. Nandihy nanodidina ny alitara namboariny izy ireo. 27 Nony mitatao-vovonana dia naneso azy ireo i Elia nanao hoe: "Miantsoa mafy ihany! fa andriamanitra izy! angamba mbola mieritreritra izy, na manamaivana ny tenany, na nisy dia nalehany, na angamba matory izy ka tokony nofohazina." 28 Fa mbola niantso mafy ihany izy ireo, ary nandrasa ny tenan'izy ireo, araka ny fanaony matetika miaraka amin'ny sabatra sy lefona, mandra-pahaloa-drà ny tenan'izy ireo. 29 Lasa ny mitatao-vovonana, dia mbola nisafoaka ihany izy hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva, nefa tsy nisy feo na nisy namaly akory; tsy nisy nihaino ny fitalahoan'izy ireo. 30 Dia hoy i Elia tamin'ny olona rehetra: "Manatona eto amiko," dia nanatona azy ny olona rehetra. Dia namboatra ny alitaran'i Yaveh izay rava tanteraka izy. 31 Naka vato roa ambin'ny folo Elia, ny vato tsirairay avy dia maneho ny iray amin'ireo fokon'ireo zanaka lahin'i Jakoba_ilay Jakoba niavian'ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: "Israely no ho anaranao." 32 Tamin'ireo vato ireo no nanorenany ny alitara tamin'ny anaran'i Yaveh ary izy dia nandavaka hady kely manodidina ny alitara lehibe omby voan-javatra indroan'ny famaran. 33 Nandahatra ny kitay ho an'ny afo izy, nandrasarasa ny omby, ary nametraka ireo omby voarasa teo amin'ny kitay. Hoy izy hoe: "Fenoy rano ny siny efatra ka araraho eo amin'ny fanatitra dorana sy eo amin'ny kitay." 34 Dia hoy izy: "Ataovy fanindroany izany," dia nataon'izy ireo fanindroany izany. Dia hoy indray izy: "Ataovy fanintelony izany," Dia nataon'izy ireo fanintelony. 35 Dia niraraka nanodidina ny alitara ny rano ary nameno ny hady kely. 36 Nitranga izany tamin'ny fotoan'ny fanatitra tamin'ny sorona amin'ny hariva, ary Elia mpaminany dia nanatona akaiky ka niteny hoe: "Ry Yaveh, Andriamanitr'i Abrahama, sy Isaka, ary Israely, aoka ho fantatra eto anio fa Ianao no Andriamanitra eto amin'ny Israely, ary izaho dia mpanomponao, ary nanao izao zavatra rehetra izao araka ny teninao aho. 37 Mihainoa ahy, ry Yaveh, mihainoa ahy, mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Ianao, Yaveh, dia Andriamanitra, ary Ianao no nampitodika ny fon'izy ireo taminao indray." 38 Ary ny afon'Yaveh nilatsaka ka nandevona ny fanatitra dorana, ary koa ny kitay, ireo vato, ary ny vovoka, ary nandritra ny rano izay tao amin'ny hady kely. 39 Rehefa nahita izany ny olona rehetra, dia nampiankohoka ny tavany teo amin'ny tany ary niteny hoe: "Yaveh, Izy no Andriamanitra! Yaveh, Izy no Andriamanitra!" 40 Koa hoy i Elia tamin'izy ireo: "Sambory ireo mpaminanin'i Bala. Aza avela hisy handositra izy ireo na dia iray aza." Koa nosamborina izy ireo, ary i Elia nitondra ireo mpaminanin'i Bala nidina tany amin'ny lohasahan-driaka Kisona ary namono azy ireo tany. 41 Hoy i Elia tamin'i Ahaba: "Mitsangàna, mihinàna ary misotroa, fa injany ny feon'ny oram-be." 42 Koa niakatra mba hihinana sy hisotro i Ahaba. Dia niakatra teo an-tampon'i Karmela i Elia, niondrika teo amin'ny tany izy, ary nametraka ny tavany teo anelanelan'ny lohaliny. 43 Ary hoy izy tamin'ny mpanompony: "Miakara ankehitriny, ka mitazàna eny amin'ny ranomasina." Dia niakatra ny mpanompony ka nitazana ary nanao hoe: "Tsy misy na inona na inona." Ka hoy indray i Elia: "Mandehana indray, impito." 44 Ary nony fanim-pitony dia hoy ny mpanompony: "Indro, misy rahona miakatra avy amin'ny ranomasina, kely tahaka ny tanan'olona." Dia namaly i Elia hoe: "Miakara ka lazao amin'i Ahaba hoe: 'Ataovy vonona ny kalesinao ka midina mialohan'ny hanakanan'ny orana anao'" 45 Ary vetivety monja raha niha-maintin'ny rahona sy rivotra ny lanitra, dia nisy oram-be. Ary i Ahaba nitaingina kalesy ka niakatra nankany Jezirela, 46 fa ny tanan'i Yaveh dia nomba an'i Ahaba. Nisikina ny akanjony teo amin'ny fehin-kibony izy ary nihazakazaka teo alohan'i Ahaba teo amin'ny fidirana mankao Jezirela.
"teny" dia sarinteny ho an'izay lona miteny. D.H: "Yaveh dia miresaka ny teniny"
"nahatonga ny orana hirotsaka amin'ny tany"
Ny teny "ary" eto dia nampiasaina hanamarihana ny fahasimban'ny fizotrin'ny tantara lehibe. Eto ny mpanoratra dia mietny ny vaovao ratsy ny fomba hiantefan'ny mosary any Samaria.
Ny teny "Ary" et dia nampiasaina hanamarihana ny fahasimban'ny fizotrin'ny tantara lehibe. Eto ny mpanoratra dia miresaka ny momba ny olona vaovao ao aminn'ny tantara.
"mpaminany zato ary nafenina tao amin'ny vondrona 50 izy ireo."
ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary natambatra hanasongadinana. D.H: "sorohina amin'ny fahafatesana ireo soavaly sy ampondra"
Ny andian-teny "amin'ny tenany" dia manamafy fa i Ahaba sy Obadia dia nandeha tamin'ny lalana nizara, fa tsy nilaina akory na iray aza niaraka tamin'i Ahaba. D.H: "Ahaba dia nitarika ekipa iray tamin'ny lalana iray ary Obadia dia nitarika ekipa iray tamin'ny lalana hafa."
Eto ny teny "tompo" dia nampiasaina araka ny teny fanajana.
Eto ny teny "tompoko" dia maneho an'i Ahaba.
Ny teny "indro" et dia manampy fanamafisana izay manaraka.
Obadia dia nangataka ity fanontainana hanamafisana ny loza amin'ny tenany noho ny hatezeran'i Ahaba tamin'i Elia. D.H: "tsy mbola nanaratsy anao aho ... mba hamonoany ahy."
"tanana" dia sarinteny amin'ny hery sy fahefana. D.H: "afahao amin'i Ahaba ny mpanomponao"
Obadia dia maneho ny tenany ho mpanompon'i Elia mba hankatoavany an'i Elia.
Ity dia voady iray nampiasaina hanasongadinana fa izay lazainy dia marina.
D.H: "ny tompoko dia nandefa olona eny rehetra eny"
Ity andian-teny ity dia nampiasaina hanamafisana ny loza amin'izay nolazain'i Elia ho ataon'i Obadia.
D.H: "azo antoka fa efa niresaka momba izay nataoko ianao ... tamin'ny mofo sy rano!"
Eto ny teny "tompoko" teny fanajana iray nampiasaina naseho tamin'i Elia.
"Ny mpaminanin'i Yaveh 100 ao amin'ny vondrona 50"
Obadia dia nangataka ity fanontaniana ity hanamafisana ny loza amin'ny tenany noho ny hatezeran'i Ahaba tamin'i Elia. D.H: "tsy mbola nanaratsy anao aho ... mba hamonoany ahy."
Eto ny "tompo" dia maneho an'i Ahaba mpanjaka.
Ity dia fianianana iray hanamafisana fa izy dia hilaza ny marina.
Ny "hitsnagana eo anatrehana" dia fomba fiteny iray amin'ny fanatrehan'ny olona ary vonona hanompo azy. D.H: "izay hotompoiko"
"Obadia dia nilaza tamin'i Ahaba izay nolazain'i Elia azy ho lazaina"
Ahaba dia mametraka fanontaniana amin'ny fanamafisana maro ny mombamomba an'i Elia. D.H: "Koa eto ianao izao. Ianao ilay mpanakorontana an'Isrely!"
Ity fanehoana amin'ny ankapobeny ireo mpitarika sy ireo olona izay mampiseho ilay foko folon'ny fanjakana tavaratra.
"mpaminany dimam-polo sy efajato"
"mpmaminany 400"
"teny" dia sarinteny ho an'izay olona miteny. Ity dia fanambarana mahazatra nampiasaina miaraka amin'ny dikan'ny fahatakarana. D.H: "nandefa hafatra"
Elia dia mametraka ity fanontaniana ity mba hampirisihana ny olona hanana fanampahan-kevitra. D.H: "nisalasala ela loatra ianao"
"tsy niteny na inona na inona" na "dia nangina"
Ny teny "izaho" dia miverimberina amin'ny fanamafisana.
"Anarana" dia sarinteny amin'ny laza sy voninahitrin'ny olona ary ny "fiantsoana" azy dia manambara antso. D.H: "hiantso ny andriamanitrao... hiantso an'i Yaveh"
"ny olona rehetra dia nilaza: "Zavatra tsara ho atao izany."
"ataovy vonona izany mba ho sorona"
Eto ny teny "ianareo" dia betsaka.
"Ireo mpaminanin'i Bala dia naka omby"
D.H: "ny omby izay nomen'ny olona azy ireo."
Ireo andianteny roa ireo dia mizara dika mitovy ary manamafy fa tsy nisy na iray namaly ny vavak'ireo mpaminany. D.H: "Fa i Bala tsy niteny na nanao zavatra akory"
"mety hoe" na "mety ho izany"
Ity fanalefahan-teny ity dia fomba fiteny hanehoana fanambaràna sarotra iray. Elia dia mampiasa fanoharana hanamavoana an'i Bala amin'ny hesoeso.
D.H: "tsy maintsy ho fohazinao izy" na "aoka hasainao miarina izy"
"mbola nanohy ireo toetran-diany izy ireo." Ireo mpaminany dia niasa matetika tamin'ny fomba izay mitovy amin'ny mahazatra na koa hadalàna. Tamin'izany no nianstoan'izy ireo an'i Bala rehefa mandihy, mihiaka mafy, ary mandrasa ny tenan'izy ireo amin'ny antsy.
"manolotra fanatitra ariva"
Ireo andian-teny ireo dia mizara dika mitovy ary manamafy fa na olona iray aza tsy namaly ireo vavakin'ny mpaminany sandoka. D.H: "Fa i Bala tsy niteny na nanao na inona na inona na koa mba nihaino"
"vato 12"
"Anarana" dia sarinteny amin'ny voninahitra sy laza. Mety midika hoe 1) "manome voninahitra an'i Yaveh" na 2) "amin'ny fahefan'i Yaveh."
vavan-drano kely iray hitazomana ny rano
Ny famarana iray dia marim-pandrefesana mitovy manodidina ny 7.7 litatra. D.H: "voa manodidina ny 15 litatra"
"Teo ambony alitara" izay nametrahany ny hazo dia noheverina tao amin'ny fehezanteny. D.H: "nataony amin'ny afo kitay teo amin'ny alitara"
"siny 4"
ny siny fitoerana ho an'ny rano.
vavan-drano kely iray hitazomana ny rano
Ity andian-teny ity dia nampiasaina hanehoana ny fanamarihana sy ny dikany feno amin'ny andron'ny tantara. Raha toa ny fiteninao ka misy fomba iray ho amin'ny fanaovana izany, azonao heverina ny fampiasana izany eto.
Eto "Israely" dia maneho an'i Jakoba. Andriamanitra dia nanova ny anaran'i Jakoba tamin'Israely (Genesisy 32:28), ary ny firenena nataon'i Yaveh amin'ny anaran'ny taranak'i Jakoba hoe "Israely"
D.H: "mampahafantatra ireo olona anio"
Ity andian-teny dia niverimberina hanamafisana ny antson'i Elia tamin'i Yaveh.
"nivadika ny fon'izy ireo" dia sarinteny ho an'ny fitiavana sy tsy fivadihan'ny olona. D.H: "nahatonga azy ireo tsy hivadika aminao indray"
"ny afon'i Yaveh dia nilatsaka"
Ny afo dia nampitahaina tamin'ny olona mangetaheta amin'ny fisotroana rano.
Ity andian-teny ity dia niverimberina ho amin'ny fanamafisana.
Ny "lohasahan-driaka" dia loharano kely iray na lakan-drano kely.
"izany dia maneno tahaka oram-be milatsaka"
Ity dia mamaritra ny fihetsika nampiasaina amin'ny fivavahana.
Ny teny "fito" dia afaka manome isa "7" D.H: "in7"
Avy amin'ny elan'elan-davitra, ny rahona dia voaharo avy amin'ny hazavàna amin'ny alalan'ny tanàn'olona.
Ity andian-teny ity dia nampiasaina eto mba hanamarihana rehefa misy dingana vaovao ao amin'ny asa ka manomboka. Raha misy fomba hafa amin'ny fanaovana izay ny fiteninao, dia tokony tadidianao ny fampiasana izany eto.
Eto ny teny "tanana" dia sarinteny amin'ny hery. D.H: "Yaveh nanome ny heriny tamin'i Elia."
Nitafy ny akanjo lavany nanerana ny andilany i Elia mba hafahan'ny ranjony mandeha am-pahalalahana amin'ny hazakazaka.
1 Nolazain'i Ahaba tamin'i Jezebela avokoa izay rehetra nataon'i Elia sy ny namonoany ireo mpaminany rehetra tamin'ny sabatra. 2 Ary Jezebela nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Elia, nilaza hoe: "Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko ho toy ny ain'ny anankiray tamin'ireny mpaminany izay maty ireny ny ainao rahampitso amin'ny ora toy izao." 3 Rehefa ren'i Elia izany, dia nitsangana izy ka lasa nandositra namonjy ny ainy ary nakany Beri-sheba, izay an'i Joda, ary navelany teo ny mpanompony. 4 Fa izy nandeha lalana indray andro tany an'efitra, dia tonga ary nipetraka teo ambany hazo kifafambohitra. Nangataka ny ho faty izy, ka nanao hoe: "Ampy izay, ankehitriny, ry Yaveh; esory ny aiko, satria tsy tsara noho ireo razambeko aho." 5 Ka dia nandry nitsilany teo ambany kifafambohitra izy. Tampoka teo dia nisy anjely nikasika azy ka niteny taminy hoe: "Mifohaza ary mihinàna." 6 Nijery i Elia, ary teo akaikin'ny lohany dia nisy mofo voahendy tamin'ny vato mahamay sy rano iray tavoara. Ary nihinana sy nisotro izy ka nandry nitsilany indray. 7 Tonga fanindroany indray ilay anjelin'i Yaveh, ka nikasika azy ary niteny hoe: "Miharena ary mihinàna, satria ho lava aminao ny dia." 8 Ka nitsangana izy ary nihinana sy nisotro, ary nandeha tamin'ny hery azony tamin'izany sakafo izany nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina ho any Horeba, ilay tendrombohitr'Andriamanitra. 9 Nandeha tao amin'ny zohy iray tany izy ary nitoetra tao amin'izany. Dia tonga taminy ny tenin'i Yaveh ary nilaza taminy hoe: "Inona no ataonao ato, ry Elia?" 10 Elia namaly hoe: "Be zotom-po ho an'i Yaveh, Andriamanitra tompon'ny maro aho, satria efa nahafoy ny fanekenao ny olon'Israely, nandrava ireo alitaranao, ary namono ireo mpaminaninao tamin'ny sabatra. Ankehitriny izaho, dia izaho irery, no sisa tavela ary mikasa ny hifofo ny aiko koa izy ireo." 11 Yaveh namaly hoe: "Mivoaha ka mitsangàna eo amin'ny tendrombohitra eo anoloako." Ary nandalo i Yaveh, ka nisy rivotra mahery namely ny tendrombohitra ary namaky ireo vatolampy ho potipotika teo anatrehan'i Yaveh, kanefa tsy tao anatin'ny rivotra i Yaveh. Ary taorian'ny rivotra, dia nisy horohoron-tany tonga, kanefa tsy tao anatin'ny horohoron-tany i Yaveh. 12 Ary taorian'ny horohoron-tany dia tonga ny afo, kanefa tsy tao anatin'ny afo i Yaveh. Ary taorian'ny afo, dia nisy feo malefaka tonga. 13 Rehefa ren'i Elia ilay feo, dia notakonany tamin'ny lambany ny tavany, nivoaka izy, ary nitsangana teo amin'ny fidiran'ilay zohy. Ary nisy feo tonga taminy nanao hoe: "Inona no ataonao eto, ry Elia?" 14 Elia namaly hoe: "Be zotom-po ho an'i Yaveh, Andriamanitra tompon'ny maro aho, fa ny olon'Israely nahafoy ny fanekenao, nandrava ireo alitaranao, ary namono ireo mpaminaninao tamin'ny sabatra. Ankehitriny, izaho dia izaho irery, no sisa tavela ary mikasa ny hifofo ny aiko koa izy ireo." 15 Ary Yaveh nilaza taminy hoe: "Mandehana, miverena amin'ny lalanao ho any an'efitr'i Damaskosy, ary rehefa tonga any ianao dia hanosotra an'i Hazaela ho mpanjakan'i Syria, 16 ary ianao hanosotra an'i Jeho zanaka lahin'i Nimsy ho mpanjakan'ny Israely, ary ianao hanosotra an'i Elisa zanaka lahin'i Safata avy any Abela-mehola ho mpaminany handimby ny toeranao. 17 Ary amin'izany dia hovonoin'i Jeho izay rehetra tafatsoaka tamin'ny sabatr'i Hazaela, hovonoin'i Elisa izay rehetra tafatsoaka amin'ny sabatr'i Jeho. 18 Kanefa Izaho hamela olona fito arivo ho ahy any Israely, ireo izay nandohalika ka tsy niankohoka tamin'ny Bala, sy ireo vava izay tsy mbola nanoroka azy." 19 Ka niala teo i Elia ary nahita an'i Elisa zanaka lahin'i Safata, izay niasa niaraka tamin'ny ziogan'omby roa ambin'ny folo nanoloana azy, ary izy tenany ihany no niasa niaraka tamin'ny zioga faha-roa ambin'ny folo. Niampita nankeo amin'i Elisa i Elia ka nanarona ny lambany taminy. 20 Avy eo dia nandao ireo ombiny i Elisa ka nihazakazaka nanenjika an'i Elia; hoy izy: "Avelao re aho hanoroka ny raiko sy ny reniko, ary hanaraka anao aho avy eo." Dia hoy i Elia taminy: "Miverena ary, kanefa saino izay efa nataoko taminao." 21 Ka niverina avy any amin'i Elia i Elisa ary naka ny ziogan'omby, namono ireo biby, ary nahandro ny hena tamin'ny hazo ziogan'omby. Dia nomeny ny olona izany ka nihinana izy ireo. Avy eo dia nitsangana izy, nanaraka an'i Elia ary nanompo azy.
Ity dia fampitahana natao ho fianianana hentitra. "hamono ahy anie ireo andriamanitra ary dia hanao zava-dratsy amiko.
"raha tsy mamono anao tahaka ny namonoanao ireo mpaminany aho"
"dia niharina izy"
Ny teny "ny tenany" dia nampiasaina hanamafiasana fa irery izy. D.H: "Nandeha iray andro ny tenany"
Ny "hazo kifambohitra" dia zava-maniry izay mitombo eny amin'ny tany maina.
"Nivavaka izy mba ho faty"
"Mafy amiko loatra ireo olana ireo, ry Yaveh"'
D.H: "mofo izay nendasin'ny olona tamin'ny vilany vato"
"fitoeran-drano iray"
"ho mafy aminao"
"nanome hery azy izany sakafo izany handeanana mandritra ny 40 andro sy 40 alina."
Eto Eti ny teny "any" dia maneho ny tendrombohitr'i Horeba. Ny zohy iray dia fidirana iray ao amin'ny tendrombohitra izay hitarihana mankany amin'ny efitra tsirairay ambany tany.
Ity fomba fiteny ity dia midika ny tenin'i Yaveh ary ny "teny" dia sarinteny manambara hafatra. "Yaveh dia nilaza ny teniny ary niteny taminy."
Yaveh dia mametraka ny fanontaniany hibedesana an'i Elia ary hampahatsiahivana azy amin'ny asany. D.H: "Izany dia tsy tokony amin'izay misy anao, ry Elia"
Eto ny teny "izaho" dia niverimberina ho fanamafisana.
"eo anoloako" dia fomba fiteny amin'ny fipetrahana eo anatrehan'ny olona. D.H: "eo an-tendrombohitra ao amin'ny fanatrehako."
"nosaromany tamin'ny lambany ny tavany" Ny lamba dia akanjo lava iray, karazana akanjo izay manarona ny vatana manontolo.
"Ary dia nahare feo izy"
Yaveh dia mametraka ny fanontaniany hibedesana an'i Elia ary hampahatsiahivana azy amin'ny asany. D.H: "Izany dia tsy tokony amin'izay misy anao, ry Elia"
Eto ny teny "izaho" dia niverimberina ho fanamafisana.
"mpaminany ankoatra anao"
Ity andian-teny ity dia nampiasaina handrosoana izay hitranga rehefa manao izay nolazain'i Yaveh taminy ho atao i Elia.
"Sabatra" dia sarinteny amin'ny famonoana toy ny ady. D.H: "na zovy na zovy ny tsy hamonoan'i Hazaela amin'ny sabatra."
Eto ny teny "izaho" sy ny "tenako" dia maneho an'i Yaveh. D.H: "ho voavonjy amin'ny fahafatesana aho"
"olona 7.000"
"fiankohafana" sy "fanorohana" dia sarinteny amin'ny asan'ny olona natao hanompoana ireo sampy. Ireo dia natambatra ho fanamafisana. D.H: "izay tsy mbola niankohoka sy nanoroka an'i Bala" na "izay tsy mbola nanompo an'i Bala"
Ity dia anaran-dehilahy.
"ziogan'omby 12"
Ny teny "ny tenany" dia manambara fa Eila dia niasa tamin'ny zioga farany, raha toa ka niasa tamin'ny zioga iraika ambin'ny folo hafa ireo olon-kafa.
Ny teny "izy" dia maneho an'i Elisa.
Elisa nanome hena masaka an'ireo olona tao amin'ny tanànany.
1 Nanangona ny tafiny hitambatra i Beni-hadada mpanjakan'i Syria. Nisy mpanjaka kely roa amby telopolo niaraka taminy, ary soavaly sy kalesy. Niakatra izy, nanao fahirano an'i Samaria sy niady nanohitra izany. 2 Nandefa iraka nankany amin'ny tanàna ho an'i Ahaba mpanjakan'Israely izy, ka niteny taminy hoe: "Izao no nolazain'i Beni-hadada hoe: 3 'Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy. Ireo vadinao sy ny zanakao ihany koa, ireo tsara indrindra, dia ahy ankehitriny.'" 4 Namaly ny mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Ho tanteraka araka ny teninao izany, ry mpanjaka, tompoko. Izaho sy izay rehetra hananako dia anao." 5 Tonga indray ireo iraka ka nanao hoe: "Izao no lazain' i Beni-hadada hoe: 'Nandefa teny taminao aho fa ianao dia tsy maintsy hanolotra ny volafotsinao, ny volamenanao, ireo vadinao, ary ireo zanakao ho ahy. 6 Nefa haniraka ireo mpanompoko any aminao aho rahampitso amin'ny ora toy izao, ary hitady ny tranonao sy ny tranon'ireo mpanomponao izy ireo. Hisambotra amin'ny tanany izy ireo ka haka izay rehetra mafinaritra ny mason'izy ireo.'" 7 Ary niantso ireo loholon'ny tany rehetra niaraka ny mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Mba raiso an-tsoratra ka jereo ny fomba hitadiavan'ity lehilahy ity olana. Efa nandefa teny tamiko izy mba hangalana ireo vadiko, ireo zanako, ary ny volafotsiko sy ny volamenako, ary tsy mbola nandà azy aho." 8 Ireo loholona rehetra sy ny vahoaka rehetra niteny tamin'i Ahaba hoe: "Aza mihaino azy na manaiky izay fangatahany." 9 Dia hoy i Ahaba tamin'ireo irak'i Beni-hadada hoe: "Lazao ny mpanjaka tompoko hoe: 'Manaiky ny zavatra rehetra izay nanirahanao ny mpanomponao hatao tamin'ny voalohany aho, kanefa tsy afaka hanaiky ity fangatahana faharoa ity aho.'" 10 Ka lasa ireo iraka ary nitondra izany valin-teny izany teo amin'i Beni-hadada. Dia nandefa ny valin-teniny ho an'i Ahaba i Beni-hadada, ka nanao hoe: "Enga anie ireo andriamanitra hanao izany amiko ary mihoatra aza, raha ho ampy hanana eran'ny tanana avy amin'ny lavenon'i Samaria ireo vahoaka rehetra izay manaraka ahy." 11 Namaly ny mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Lazao i Beni-hadada hoe: 'Tsy misy olona mametraka ny fiadiany, ka tokony hirehareha ho amin'ny nanesorany izany.'" 12 Dia nandre izany hafatra izany i Beni-hadada raha nisotro izy, dia izy sy ireo mpanjaka ambaniny izay tao anatin'ny lain'izy ireo. Beni-hadada nandidy ireo lehilahiny hoe: "Milahara ho amin'ny ady ianareo." Dia nanomana ny tenan'izy ireo ho amin'ny ady izy ireo mba hamely ny tanàna. 13 Ary indro, nisy mpaminany tonga teo amin'i Ahaba mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Hoy i Yaveh: 'Efa hitanao ve ity tafika lehibe ity? Indro, hametraka izany eo an-tananao aho anio, ary ho fantatrao tokoa fa Izaho no Yaveh.'" 14 I Ahaba namaly hoe: "Amin'ny alalan'iza?" Dia namaly Yaveh ka nanao hoe: "Amin'ny alalan'ireo tanora manam-pahefana izay manompo ireo governoran'ny distrika." Dia Ahaba nanao hoe: "Iza no hanomboka ny ady?" Yaveh namaly hoe: "Ianao." 15 Dia nanambatra ireo tanora manam-pahefana izay nanompo ny komandin'ny isan'antokony i Ahaba. Niisa 232 izy ireo. Taorian'izy ireo dia nanambatra ireo miaramila rehetra izy; ny tafik'Israely rehetra; niisa fito arivo. 16 Nivoaka tamin'ny mitatao vovonana izy ireo. Beni-hadada dia efa avy nisotro ary nahamamo ny tenany tao an-dainy, izy sy ireo mpanjaka kely roa amby telopolo izay nanohana azy. 17 Ireo tanora manam-pahefana izay nanompo ny komandin'ny isan'antokony no nandroso mialoha. Dia nampahalalain'ireo tily izay nirahiny i Beni-hadada hoe: "Misy lehilahy mivoaka avy ao Samaria." 18 Hoy i Beni-hadada hoe: "Na tamin'ny filaminana na tamin'ny ady no nivoahan'izy ireo, dia sambory velona izy ireo." 19 Dia nivoaka ny tanàna ireo tanora manam-pahefana izay nanompo ireo governoran'ny isan'antokony ary nanaraka azy ireo ny tafika. 20 Namono ny fahavalony avy izy ireo ka nandositra ireo Syriana. Nanenjika azy ireo ny Israely. Beni-hadada mpanjakan'i Syria kosa nitsoaka tamin'ny soavaly niaraka tamin'ireo mpitaingin-tsoavaly sasany. 21 Ary nivoaka ny mpanjakan'Israely ka nanafika ireo soavaly sy ireo kalesy, ary namono ireo Syriana tamin'ny famonoana lehibe. 22 Dia nanatona ny mpanjakan'Israely ny mpaminany ka niteny taminy hoe: "Mandehana, atanjaho ny tenanao, ka takaro sy omano izay ataonao, satria amin'ny herintaona dia hiakatra hanohitra anao indray ny mpanjakan'i Syria." 23 Ireo mpanompon'ny mpanjakan'ny Syria niteny taminy hoe: "Ny andriamanitr'izy ireo dia andriamanitry ny havoana. Izany no antony nampatanjaka azy ireo noho isika. Fa izao kosa andeha isika hiady amin'izy ireo eny amin'ny lemaka, ary ho azo antoka fa ho mafy noho izy ireo isika. 24 Noho izany dia izao no tsy maintsy ataonao: esory eo amin'ny toeran'ny fahefany ireo mpanjaka rehetra ka soloy mpifehy miaramila izy ireo. 25 Manangàna tafika tahaka ny tafika maty teo—soavaly solon'ny soavaly ary kalesy solon'ny kalesy—mba hahafahantsika miady amin'izy ireo eny amin'ny lemaka. Dia ho azo antoka fa hahery noho izy ireo isika." Dia nihaino ny torohevitr'izy ireo i Beni-hadada ary nanao izay natoron'izy ireo. 26 Taorian'ny fiantombohan'ny taom-baovao, dia nanambatra ireo Syriana i Beni-hadada ka niakatra ho any Afeka mba hiady amin'Israely. 27 Nangonina ireo vahoakan'Israely ary novatsiana mba hiady amin'izy ireo. Nitoby teo anoloan'izy ireo toy ny andian'osy kely roa toko ny vahoakan'Israely, nefa ireo Syriana nanenika ny tany. 28 Dia nanatona akaiky ny lehilahin'Andriamanitra iray ka niteny tamin'ny mpanjakan'ny Israely hoe: "Hoy Yaveh hoe: 'Satria ireo Syriana efa niteny fa Yaveh dia andriamanitry ny havoana, fa tsy mba andriamanitr'ireo lohasaha, dia hapetrako eo an-tananao ity tafika lehibe ity, ary ho fantatrao fa Izaho no Yaveh."' 29 Dia nitoby nifanandrify ireo tafika nandritra ny fito andro. Ary nanomboka ny ady tamin'ny andro fahafito. Namono Syriana mpandeha an-tongotra 100. 000 ny vahoakan'Israely tanatin'ny iray andro. 30 Ny sisa nitsoaka tany Afeka, tao amin'ny tanàna, ary nianjera tamin'ireo lehilahy fito arivo sy roa alina izay tavela ny manda. Nitsoaka i Beni-hadada ka nankany amin'ny tanàna, tanaty efitrano iray. 31 Niteny taminy ireo mpanompon'i Beni-hadada hoe: "Indro ankehitriny, renay fa ireo mpanjakan'ny zanak'Israely dia mpanjaka mpamindra fo. Mba avelao re izahay hisikina lamba fisaonana eo amin'ny valahanay sy tady eo amin'ny lohanay, ary hivoaka ho any amin'ny mpanjakan'Israely. Mety hamindra fo aminao angamba izy." 32 Ka nisikina lamba fisaonana teny am-balahany izy ireo sy tady teny an-dohan'izy ireo ary avy eo nankany amin'ny mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Beni-hadada mpanomponao niteny hoe: 'Mba avelao re aho ho velona.'" Hoy i Ahaba hoe: "Mbola velona ve izy? Rahalahiko izy." 33 Ary nihaino izay ho famantarana avy tamin'i Ahaba ireo lehilahy, ka namaly azy faingana izy ireo hoe: "Eny, Beni-hadada rahalahinao dia velona." Ary hoy i Ahaba hoe: "Mandehana ary ento izy." Avy eo dia tonga teo aminy i Beni-hadada, ary tafakatra tany amin'i Ahaba tamin'ny kalesiny izy. 34 Beni-hadada niteny tamin'i Ahaba hoe: "Averiko aminao ireo tanàna izay nalain'ny raiko tamin'ny rainao, ary afaka manao fivarotana ho anao any Damaskosy ianao, tahaka ny nataon'ny raiko tany Samaria." Namaly i Ahaba hoe: "Avelako handeha miaraka amin'ity fifanekem-pihavanana ity ianao." Ka nanao fifanekem-pihavanana taminy i Ahaba ary avy eo namela azy handeha. 35 Nisy lehilahy iray, iray amin'ireo zanaka lahin'ireo mpaminany, niteny tamin'ny iray tamin'ireo mpaminany namany tamin'ny tenin'i Yaveh hoe: "Mba velezo aho." Saingy nandà ny hamely azy ilay lehilahy. 36 Dia niteny tamin'ilay mpaminany namany ilay mpaminany hoe: "Satria ianao tsy nankatoa ny feon'i Yaveh, ka raha vao mandao ahy ianao, dia hisy liona hamono anao." Raha vao nandao azy ilay lehilahy, dia nisy liona niantsampy taminy ka namono azy. 37 Avy eo dia nahita lehilahy hafa iray indray ilay mpaminany ary niteny hoe: "Mba veleso aho." Ka dia namely azy ilay lehilahy ary nandratra azy. 38 Dia niala ilay mpaminany ary niandry ny mpanjaka teo amoron-dalana; nanova ny endriny tamin'ny fatotra teo amin'ny masony izy. 39 Raha nandalo iny ny mpanjaka, dia niantso mafy ny mpanjaka ilay mpaminany ary niteny hoe: "Nivoaka ho any anaty ady mangotraka ny mpanomponao, ary miaramila iray no nanakana sy nitondra fahavalo ho ahy ka niteny hoe: 'Jereo ity lehilahy ity. Raha tsy hita amin'ny fomba rehetra izy, dia ny ainao no homena ho solon'ny ainy, na raha tsy izany dia handoa talenta volafotsy ianao.' 40 Nefa satria ny mpanomponao dia mbola raikitra tamin'ny fandehanana tetsy sy teroa, dia nitsoaka ilay miaramila fahavalo." Avy eo dia niteny taminy ny mpanjakan'Israely hoe: "Izao no ho sazinao—ny tenanao izao mihitsy no efa nanapa-kevitra izany." 41 Dia nanala faingana ny fatotra teny amin'ny masony ilay mpaminany, ary fantatry ny mpanjakan'Israely fa iray tamin'ireo mpaminany izy. 42 Hoy ilay mpaminany tamin'ny mpanjaka hoe: "Yaveh miteny hoe: 'Satria efa navelanao handeha avy teo an-tananao ilay lehilahy izay nodidiako ho faty, dia ny ainao no hisolo toerana ny ainy, ary ny vahoakanao ho solon'ny vahoakany.'" 43 Ka vinitra sy tezitra mafy ny mpanjakan'Israely nankany an-tranony, ary tonga tany Samaria.
Ity dia anaran-dehilahy.
mpanjaka kely roa: "mpanjaka kely 32"
"nitondra vondron'olona kely ireo mpanjaka"
Ity dia fomba fiteny anehoana fanekena. D.H: "manaiky anao aho"
"rahampitso amin'ny ora toy izao andro izao izany hoe ankehitriny"
"Fahafinaretan'ny mason'izy ireo" dia sarinteny amin'ny fijerevana zavatra sy faniriana izany. D.H: "izay rehetra irian'izy ireo"
"Ny tany" dia fibangoan-teny ho an'ny olona rehetra mitoetra any. D.H: "amin'ny olon'Israely"
"raiso an-tsoratra" dia fomba fiteny hanaraha-maso tsara. D.H: "mizaha akaiky ny "
D.H: "Efa nanaiky ny fangatahiny aho."
Ity dia fianianana iray amin'ny fanamafisana lehibe.
Beni-hadada dia matohotra fa ireo tafiny dia handrava tanteraka ny zavatra rehetra any Samaria.
Ity teny ity dia manome hevitra. "Fametrahana fiadiana" dia sarinteny amin'ny fiomanana amin'ny ady. "Teneno Beni-hadada hoe, 'aza mirehareha toy ny efa nandresenao ady iray izay mbola tsy niadianao akory."'
Ny teny "indro" dia manaitra antsika amin'ny fahitana tampokin'ny olona vaovao ao amin'ny tantara. Ny fiteninao dia mety misy fomba hafa hilazàna izany.
Yaveh dia mametraka ity fanontaniana ity hanamafisana ny habe sy ny herin'ny tafik'i Beni-hadada. D.H: "Jereo ity tafika lehibe ity."
Ny teny "Indro" eto dia manaitra antsika hanaja ny vaovao tsy ampoizina izay manaraka.
Eto ny teny "tanana" dia maneho hery. D.H: "manome fandresena anao eo amin'izany tafika izany."
Ahaba dia namoaka ireo tany "hanao izany ve ianao?' D.H: "Amin'ny alalan'iza no hanaovanao izany?"
"Ahaba dia nanangona ireo manam-pahefana zandriny"
"roa amby telopolo sy roanjato"
Ireo andian-teny roa ireo dia maneho zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary natambatra ho fanamafisana.
"7.000"
Eto ny teny hoe "izy ireo" dia ilazana ny Israelita.
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 20:1.
DH: "Nisy tily izay nirahin'i Beni-hadada nampahalala azy"
Ny "tily" dia miaramila izay nirahina hanangona vaovao momba ny fahavalo.
fa hay fa miresaka amin'ireo miaramilany i Beni-hadada. DH: "Hoy i Beni-hadada tamin'ireo miaramilany"
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo Israelita.
"Dia nivoaka ny tanàna ireo tanora manam-pahefana ... nanaraka azy ireo ny tafika Israelita"
"Israely" dia fibangoan-teny ilazana ireo miaramilan'ny firenen'Israely rehetra. DH: "nanenjika azy ireo ny lehilahin'ny tafik'Israely"
Ny "mpanjaka" dia fibangoan-teny ilazana ny mpanjaka sy ireo miaramila rehetra izay nanompo tao ambany fahefany. DH: "Nivoaka ny mpanjaka sy ny miaramilany ary nanafika"
Ny hoe "ny tenanao" dia fibangoan-teny ilazana ny tafiky ny mpanjaka. DH: "Atanjaho ny miaramilanao"
Mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary natambatra ho fanamafisan-kevitra. DH: "fariparito"
Ireo mety ho heviny dia 1) "amin'ny fararano amin'ny herintaona" na 2) "amin'ny herintaona tahaka izao"
Ny teny hoe "isika" dia manondro ireo mpanompon'ny mpanjaka, ary ny tafika rehetra.
"Aoka ho esorinao ireo mpanjaka roa amby telopolo mitarika ny antokonao"
Anaran-tanàna io.
Ny "Israely"dia fibangoan-teny ilazana ny herin-tafiny. DH: "hiady amin'ny tafik'Israely"
DH: "Niara-niangona ihany koa ny tafika Israelita, ary nanome ny fitaovam-piadiana nilain'izy ireo ho amin'ny ady ireo komandy"
Ity fampitahana mivantana ity dia mampitaha ny tafika Israelita amin'ny andian'osy kely roa toko. DH: "Toa kely sy osa tahaka ny andian'osy kely roa toko ny tafika Israelita"
Fiantsoana iray hafa ilazana ny mpaminany io. DH: "mpaminany"
Eto ny teny hoe "tanana" dia ilazana ny fahefana. DH: "omeo fandresena ity tafika lehibe ity"
"7 andro"
"iray hetsy"
Ny "mpandeha an-tongotra" dia miaramila mandeha an-tongotra.
Ny teny he "sisa" dia misy hevitra ambadika hoe "amin'ireo miaramila Arameana." DH: "Ny sisa tamin'ireo miaramila Arameana"
Anarana vohitra iray io.
"27.000"
Io fomba fiteny io dia manamafy izay ho lazain'izy ireo. DH: "Henoy" na "Tandremo tsara izay ho lazaiko aminao"
Mariky ny filavoana lefona io.
Mametraka io fanontaniana io i Ahaba mba hanehoana fahatairana. DH: "Gaga fa toa mbola velona izy!"
Ny hoe "rahalahiko" dia sarinteny ilazana ny olona izay namana akaiky. DH: "tahaka ny rahalahy izy amiko" na "Tahaka ny fianakaviana izy"
Ny teny hoe "ary" dia ampiasaina mba hisintonana ny saina ho amin'ny hevi-dehibe manaraka eo.
Ny "famantarana" dia fibangoan-teny ilazana izay mety ho fihetsika misy dikany rehetra. DH: "izay ho fihetsika avy amin'i Ahaba izay hampiseho azy ireo fa teo hamindra fo i Ahaba"
"isan'ireo andiana mpaminany"'
Ny hoe "teny" dia ilazana ny hafatra. DH: "araka izay nasain'i Yaveh nataony"
Ny "feo" dia ilazana izay nandidian'i Yaveh. DH: "Tsy nankatoa an'i Yaveh ianao"
Manondro ny tenany ihany ny mpaminany mba ho mari-panajana ny mpanjaka.
Ny hoe "ady mangotraka" dia ilazana ny ady mafy sy mamaivay indrindra. DH: "any amin'izay ady mamaivay indrindra"
"dia ianao no ho faty amin'ny toerany"
Ny talenta dia mari-pandanjana sahala amin'ny eo ho eo amin'ny 34 kilao. DH: "volafotsy 34 kilao"
Io dia fomba fiteny ilazana ny hoe sahirana sy be erehana. DH: "nanao zavatra hafa"
Eto ny teny hoe "tanana" dia ilazana ny fahefana. DH: "namotsotra" na "niaro ny ain'i"
"ho faty amin'ny toerany ianao, ary ny vahoakanao dia ho faty amin'ny toeran'ny vahoakany"
1 Fotoana vitsy taty aoriana, nanana tanim-boaloboka tao Jezirela i Nabota ilay Jezirelita, teo akaikin'ny lapan'i Ahaba, mpanjakan'i Samaria. 2 Niresaka tamin'i Nabota i Ahaba nanao hoe: "Omeo ahy ny tanim-boalobokao, mba ho zaridainana legiomako izany, satria akaikin'ny tranoko. Ho takalon'izany, homeko tanim-boaloboka tsaratsara kokoa ianao, na raha tianao, dia homeko vola sandan'izany ianao. 3 Nabota namaly an'i Ahaba hoe: "Ho raràn'i Yaveh anie izay tokony lovan'ireo razambeko omeko anao." 4 Ka dia nandeha tao amin'ny lapany tam-pahatezarana ary hasorenana i Ahaba nohon'ny valin-teny nomen'i Nabota ilay Jezerelita azy hoe: "Tsy homeko anao ny lovan'ireo razambeko." Nandry nitsilany teo am-pandriany izy, nanodina ny tavany, ary tsy nety nihinan-kanina izy. 5 Jezebela vadiny nankao aminy ary nanao taminy hoe: "Nahoana no malahelo loatra ny fonao, izany ve no tsy hihinananao hanina?" 6 Namaly azy izy hoe: "Niresaka tamin'i Nabota ilay Jezirelita aho ary nanao taminy hoe: "Omeo ahy ny tanim-boalobokao atakaloko vola, na raha tianao dia homeko tanim-boaloboka hafa ho anao ianao.' Ary namaly ahy izy hoe: 'Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko.'" 7 Ary Jezebela vadiny namaly azy hoe: "Fa tsy mbola manapaka ny fanjakan'ny Israely ve moa ianao? Mitsangàna ary misakafoana; aoka ho faly ny fonao. Ho alaiko ho anao ny tanim-boalobok'i Nabota ilay Jezirelita." 8 Ary Jezebela nanoratra taratasy amin'ny anaran'i Ahaba, notombohany tamin'ny tombo-kaseny izany, ary nalefany tany amin'ireo loholona sy ireo mpanan-karena izay nipetraka niaraka taminy tao amin'ny fihaonana, ary ireo izay nipetraka akaikin'i Nabota izany. 9 Nosoratany tao amin'ny taratasy hoe: "Manambarà fifadian-kanina ary apetraho ambonin'ny vahoaka i Nabota. 10 Mametraha ihany koa olona tsy marina roa miaraka aminy ka aoka izy ireo hiampanga azy hoe: 'Nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao.'" Ary avoahy izy ka toraho vato ho faty. 11 Ka nanao izay nofariparitan'i Jezebela tamin'izy ireo, araka ny voasoratra ao amin'ny taratasy izay nalefany ho azy ireo ny lehilahin'ny tanànany, ireo loholona sy ny mpanankarena izay nipetraka tao amin'ny tanànan'i Nabota. 12 Nanambara fifadian-kanina sy nametraka an'i Nabota teo ambonin'ny vahoaka izy ireo. 13 Niditra ireo lehilahy tsy marina roa ary nipetraka teo anoloan'i Nabota; niampanga an'i Nabota teo amin'ny fanatrehan'ny vahoaka izy ireo, ka nanao hoe: "Nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabota." Ary dia nentin'izy ireo nivoaka ny tanana izy ka notoraham-bato ho faty. 14 Avy eo ireo loholona dia nandefa teny tany amin'i Jezebela nanao hoe: "Notoraham-bato i Nabota ka maty." 15 Ary rehefa ren'i Jezebela fa notoroham-bato i Nabota ka maty, dia hoy izy tamin'i Ahaba: "Mitsangàna ary alaivo ho fananana ny tanim-boalobok'i Nabota ilay Jezirelita, izay nandà ny hanome anao ny vola ho sandany, satria efa tsy velona intsony i Nabota, fa efa maty." 16 Rehefa ren'i Ahaba fa maty i Nabota, dia nitsangana izy ary nidina tany amin'ny tanim-boalobok'i Nabota ilay Jezirelita ary naka izany ho fananana. 17 Ary tonga tamin'i Elia ilay Tisbita ny tenin'i Yaveh manao hoe: 18 "Mitsangàna ary mandehana mihaona amin'i Ahaba mpanjakan'Israely, izay mipetraka any Samaria. Ao amin'ny tanim-boalobok'i Nabota izy, any amin'izay nandehanany mba ho alainy ho fananana. 19 Tsy maintsy miresaka aminy ianao ary lazao hoe izao no lazain'i Yaveh: 'Sady efa namono ve ianao no mbola naka ho fananao ihany koa?' Ary holazainao azy hoe izao no lazain'Yaveh: "Eo amin'ny toerana izay nilelafan'ny amboa ny ràn'i Nabota, no hilelafan'ny amboa ny rànao koa, eny, ny rànao.'" 20 Hoy i Ahaba tamin'i Elia: "Efa nahita ahy ve ianao, ry fahavaloko?" dia namaly i Elia hoe: 'Efa hitako ianao, satria efa nivarotra ny tenanao mba hanao izay ratsy eo imason'i Yaveh ianao. 21 Izao no lazain'Yaveh aminao: 'Indro, hitondra loza eo aminao sy hanimba tanteraka ary hamongotra eo aminao ny zanaka lahy rehetra sy ny andevo ary ny lehilahy afaka ao Israely Aho. 22 Hataoko tahaka ny fianakavian'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata ny fianakavianao, ary tahaka ny fianakavian'i Basa zanaka lahin'i Ahia, satria nihantsy Ahy tamin'ny fahatezarana ary nitondra an'ny Israely hanota ianao.' 23 Yaveh ihany koa dia niresaka momban'i Jezebela hoe: 'Hihinana an'i Jezebela eo akaikin'ny mandan'i Jezirela ny amboa.' 24 Izay an'i Ahaba rehetra ka maty tao an-tanàna, dia hohanin'ny amboa; ary ireo vorona eny amin'ny lanitra hihinana ireo rehetra izay maty eny an-tsaha." 25 Tsy nisy olona tahaka an'i Ahaba, izay nivarotra ny tenany mba hanao izay ratsy eo imason'i Yaveh, izay namporisihan'i Jezebela vadiny hanota. 26 Nanao asa vetaveta ho an'ny sampy arahiny i Ahaba, tahaka izay rehetra efa nataon'ireo Hamorita, ireo izay nesorin'i Yaveh teo anatrehan'ny olon'ny Israely. 27 Rehefa ren'i Ahaba ireo teny ireo, dia nandriatra ny akanjony izy ary nanao akanjo fisaonana ka nifady hanina, ary nandry tamin'ny akanjo fisaonana sy tena nalahelo mafy. 28 Ary tonga tamin'i Elia ilay Tisbita ny tenin'i Yaveh hoe: 29 "Hitanao ve ny fanetren-tenan'i Ahaba eto anatrehako? Satria manetry ny tenany eto anatrehako izy, dia tsy hitondra ny loza efa ho avy amin'ireo androny Aho; amin'ny andron'ny zanany lahy no hitondrako loza eo amin'ny fianakaviany."
Ity andian-teny ity dia manamarika ny fiatombohan'ny ampahan'ny tantara vaovao ary maneho fa ireo tranga ireo dia nitranga farany, fa tsy Nabota no tompon'ny tanim-boaloboka farany. Raha misy fomba hanamarihana fanombohan'ny ampahan'ny tantara vaovao fiteninao, dia azonao ampiasaina izany eto. D.H: "Ankehitriny dia izany no nitranga"
Izany dia anaran-dehilahy avy any Jezirela.
"Samaria" dia renivohitry ny tanàna ao amin'ny fanjakan'Israely ary eto dia maneho ny firenena manontolo. D.H: "mpanjakan'Israely"
Ity andian-teny ity dia fianianana hanamafisana izay tsy hitranga manaraka. D.H: "Satria Yaveh nandrara izany, dia tsy omeko mihitsy.
Ny tany izay azon'ireo razambeny ho fananana maharitra dia voalaza toy ny lova iray. D.H: "omena anao ny tany izay azon'ireo razambeko ho lova"
Eto ny "fo" dia maneho ny maha olona manontolo sy ny fihetsem-pony. D.H: "Nahana ianao no malahelo loatra?"
Jezebela dia mampiasa ity fanontaniana fampisainana ratsy ity hibedesana an'i Ahaba. Azo hadika ho fanambaràna tsara izany. D.H: "Mbola manapaka ny fanjakan'Israely foana ianao!"
Eto ny "fo" dia maneho ny maha olona manontolo sy ny fihetsempony. D.H: "mifalià"
Ireo mety ho dikany dia 1) Nanoratra ny anaran'i Ahaba tamin'ireo taratasy izy" na 2) ny teny "anarana" dia sarinteny amin'ny fahefana. D.H: "nanoratra taratasy teo amin'ny fahefan'i Ahaba"
Ny teny "mpanan-karena" dia maneho olona manan-karena. D.H: "ilay olona manan-karena izay nipetraka niaraka tamin'i Nabota."
Ny fisian'i Nabota teo amin'ny toeram-boninahitra dia voalaza toy ny fananana azy nipetraka ambony teo ambin'ny olona izay nanatrika. D.H: "nisy an'i Nabota nipetraka teo amin'ny toream-boninahitra teo amin'ireo olona"
"nisy azy ireo nanendrikendika azy"
Ny teny "mpanankarena" dia maneho olona manan-karena. D.H: "ny olona manan-karena izay nitoetra tao amin'ny tanànan'i Nabota"
D.H: "araka izay efa nosoratany tao amin'ny taratasy"
Ny fisian'i Nabota nipetraka teo amin'ny toeram-boninahitra dia voalaza toy ny fananana azy nipetraka ambonin'ny amin'ny olona izay nanatrika. D.H: "nisy an'i Nabota nipetraka teo amin'ny toeram-boninahitra ambonin'ny olona."
"nipetraka teo anoloan'i Nabota"
Eto ny teny "izy ireo" dia amin'ireo olon'ny tanàna.
D.H: "Notorahinay vato Nabota ka maty izy"
D.H: "fa ny olona efa nitora-bato an'i Nabota ka maty izy"
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy ny fanambaran'i Jerizela. D.H: "Nabota dia maty!"
Ity fomba fiteny ity midika fa Yaveh dia nisresaka na nandefa hafatra. D.H: "Yaveh dia niresaka ity hafatra ity." na "Yaverh dia niteny"
Yaveh dia nametraka ity fanontaniana ity hibedesana an'i Ahaba. D.H: "Efa novonoinao i Nabota ary nangalarinao ny tanim-boalobony!"
Ity dia niverimberina amin'ny hanamafisana.
Ahaba dia nampiasa ity fanontaniana ity hanehoany ny hatezerana amin'ny Elia. Fa Elia "nahita" an'i Ahaba tahaka ny nanehoana an'i Elia ny nahitany ny asan'i Ahaba, fa tsy nitady ny vatany. D.H: "Efa nahita ahy ianao, ry fahavaloko!" na "Efa nahita izay nataoko ianao, ry fahavaloko!"
Araka ny nataon'ny olona hanaovana ny ratsy dia voalaza toy ny olona efa nivarotra ny tenany tamin'ny ratsy. D.H: "efa nanolo-tena tamin'ny fanaovana izay ratsy ianao"
Ny andian-teny "eo imason'i" dia maneho ny hevitry ny olona. D.H: "izay heverin'i Yaveh ho ratsy"
"Henoy" na "tandremo tsara izay lazaiko anao"
Yaveh dia miresaka ny faharinganan'ny fianakavian'i Ahaba ary ny fampitandremana azy amin'ny fananana taranaka toy nanimbàna ireo olona tahaka ny afo mandevona azy ireo, sy hamongotra azy ireo tahaka ny iray izay mamongotra ny sampan'ny hazo iray. D.H: "vonoy ny zaza lahy nareo rehetra, na ny andevo na afaka any Israely"
Yaveh dia hanimba ny taranak'i Ahaba tahaka ny namotehany ny fianakavian'i Jeroboama sy Basa.
"izay an'ny fianakavian'i Ahaba rehetra"
Ny olona nanao ny fanaovan-dratsy dia voalaza toy ny olona efa nivarotra ny tenany tamin'ny ratsy. D.H: "izay nanolotra ny tenany tamin'ny fanaovana izay ratsy"
Ny andian-teny "eo imason'ny" dia maneho ny hevitry ny olona. D.H: "izay heverin'i Yaveh ho ratsy"
Eto ny "Israely" dia maneho ireo foko roa ambin'ny folon'Israely fa tsy amin'ny fanjakana tavaratra ihany. D.H: "nesorina avy amin'ny fanatrehan'ireo olon'Israely" na "nandroaka ny tany nialohan'ireo olon'Israely."
Ity fomba fiteny ity dia midika ny niresahan'i Yaveh na ny nandefasany hafatra. D.H: "nilaza izany hafatra izany i Yaveh." na "Yaveh dia nilaza"
Andriamanitra dia mampiasa ity fanontaniana ity haneona amin'i Elia fa alahelon'i Ahaba dia mafy. D.H: "Efa hitako ny fomba nanetrehan'i Ahaba ny tenany teo anatrehako." na "Jereo ny fomba nanetrehan'i Ahaba ny tenany teo anatrehako."
Eto ny teny "andro" maneho ny androm-piainan'ny olona manotolo. D.H: "nandritra ny androm-piainany ... nandritra ny androm-piainan'ny zanany lahy"
1 Nandritra ny telo taona lasa dia tsy nisy ady teo amin'i Arama sy i Israely. 2 Ary tamin'ny taona fahatelo, dia nidina tany amin'ny mpanjakan'i Israely i Josafata mpanjakan'i Joda. 3 Ary ny mpanjakan'i Israely dia efa niteny tamin'ny mpanompony hoe: "Mba fantatrareo ve fa Ramota-gileada dia antsika, saingy tsy manao na inona na inona isika mba hakana izany eo an-tanan'i mpanjakan'i Arama?" 4 Dia hoy izy tamin'i Josafata: "Hiaraka amiko hiady any Ramota-gileada ve ianao?" Josafata namaly ny mpanjakan'i Israely hoe: "Izaho dia tahaka anao, ny vahoakako dia tahaka ny vahoakanao, ary ireo soavaliko dia tahaka ireo soavalinao." 5 Hoy i Josafata tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: "Mitadiava re tari-dalana avy amin'ny tenin'i Yaveh ny amin'izay tokony hataonao voalohany." 6 Dia nampivory ireo mpaminany niaraka ny mpanjakan'Israely, lehilahy efajato, ary teneno izy ireo hoe: "Tokony ho any Ramota-gileada ve aho mba hiady, sa tsy tokony?" Dia hoy izy ireo hoe: "Manafiha, fa ny Tompo hanome izany ho eo an-tanan'ny mpanjaka." 7 Fa hoy i Josafata hoe: "Tsy misy mpaminanin'Andriamanitra hafa izay mety hahazoantsika hevitra intsony ve eto?" 8 Dia hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: "Mbola misy lehilahy iray izay mety hahazoantsika hevitra avy amin'i Yaveh mba ho fanampiana, Mikaia zanaka lahin'i Jimia, saingy halako izy satria tsy mba maminany zavatra tsara mahakasika ahy, fa loza ihany." Fa hoy i Josafata hoe: "Tsy hiteny izany anie ny mpanjaka." 9 Dia niantso manam-pahefana iray ny mpanjakan'i Israely ary nanome baiko hoe: "Ento aty i Mikaia zanaka lahin'i Imla, izao dia izao." 10 Ary i Ahaba mpanjakan'Israely sy i Josafata mpanjakan'i Joda dia samy nipetraka tamin'ny seza fiandrianana avy, niakanjo ny akanjon'izy ireo, teo amin'ny toerana malalaka teo amin'ny fidiran'ny vavahadin'i Samaria, ary ireo mpaminany rehetra dia naminany teo alohan'izy ireo. 11 Zedekia zanaka lahin'i Kenana tenany dia nanao tandroka vy ary niteny hoe: "Izao no voalazan'i Yaveh: 'Amin'ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.'" 12 Ary ny mpaminany rehetra naminany nitovy, nanao hoe: "Tafiho Ramota-gileada ka mahazoa fandresena, fa i Yaveh efa nanolotra azy ho eo an-tanan'ny mpanjaka." 13 Ny mpitondra hafatra izay nandeha niantso an'i Mikaia niteny taminy, nanao hoe: "Indro ankehitriny, ny tenin'ireo mpaminany dia manambara zavatra tsara ho an'ny mpanjaka tamin'ny vava iray. Aoka re ny teninao mba ho tahaka ny iray amin'ireo ary milaza zavatra tsara." 14 Dia namaly Mikaia hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, dia izay lazain'i Yaveh amiko no ho lazaiko." 15 Rehefa tonga teo amin'ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Ry Mikaia, tokony handeha hiady any Ramota-Gileada ve izahay, sa tsia?" Mikaia namaly azy hoe: "Manafiha ka mandrese. Hanolotra azy ho eo an-tanan'ny mpanjaka i Yaveh." 16 Ary hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Impiry moa aho no nila anao hianiaiana mba tsy hiteny na inona na inona amiko amin'ny anaran'i Yaveh afa-tsy ny marina ihany?" 17 Dia hoy i Mikaia hoe: "Hitako niely teny an-tendrombohitra ny Israely rehetra, tahaka ny ondry tsy misy mpiandry, ary Yaveh nanao hoe: 'Tsy manana mpiandry ireo. Aoka ny lehilahy tsirairay hody soa aman-tsara any an-tranony.'" 18 Dia hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: "Tsy efa niteny taminao ve aho fa tsy mety maminany zavatra tsara mahakasika ahy izy, fa loza ihany?" 19 Dia hoy Mikaia hoe: "Noho izany henoy ny tenin'i Yaveh: nahita an'i Yaveh nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ireo miaramilan'ny lanitra rehetra dia nijoro teo akaikiny teo an-kavanany sy teo an-kaviany. 20 Hoy i Yaveh hoe: "Iza no hitaona an'i Ahaba, mba hiakatra izy ka ho lavo any Ramota-gileada?' Ny iray tamin'izy ireo niteny izao ary ny iray hafa niteny izao. 21 Avy eo dia nisy fanahy iray nandroso, nijoro teo anoloan'i Yaveh, ka nanao hoe: 'Izaho no hitaona azy.' Dia hoy Yaveh taminy hoe: 'Amin'ny fomba ahoana?' 22 Dia namaly ilay fanahy hoe: 'Hivoaka aho ary ho fanahy mandainga eo am-bavan'ireo mpaminaniny rehetra.' Yaveh namaly hoe: 'Hahataona azy ianao, ary hahomby ihany koa. Koa mandehana ary ataovy izany.' 23 Dia indro, Yaveh nametraka fanahy mandainga teo am-bavan'ireo mpaminaninao rehetra ireo, ary Yaveh efa nilaza loza ho anao." 24 Ary Zedekia zanaka lahin'i Kenana, niakatra, namelaka ny takolak'i Mikaia, sady nanao hoe: "Taiza no lalan'ny fanahin'i Yaveh niala tamiko mba hiteny aminao?" 25 Dia hoy i Mikaia hoe: "Indro, ho fantatrao izany amin'izany andro izany, rehefa miditra ny efitra anatiny mba hiafina ianao." 26 Hoy ny mpanjakan'Israely tamin'ny mpanompony hoe: "Sambory Mikaia ary ento any amin'i Amona, ilay governoran'ny tanàna, ary any amin'i Joasy, zanako lahy. 27 Lazao izy hoe: 'Ampidiro am-ponja ity lehilahy ity hoy ny mpanjaka, ary fahano mofo kely sy rano kely fotsiny izy, mandra-pahatongako soa aman-tsara. 28 Ary hoy i Mikaia hoe: "Raha tahiany ka tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin'i Yaveh aho tsy akory." Ary nampiany hoe: "Henoy izany, ry vahoaka rehetra." 29 Dia niakatra ho any Ramota-gileada i Ahaba, mpanjakan'Israely, sy Josafata, mpanjakan'i Joda. 30 Ny mpanjakan'i Israely niteny tamin'i Josafata hoe: "Hody olon-kafa aho ary hirotsaka ao anaty ady, fa ianao kosa hanao ny akanjon'ny mpanjaka ihany." Dia nody ho olon-kafa ny mpanjakan'Israely ka nirotsaka tany anaty ady. 31 Dia nandidy ny kapitenin'ny kalesiny roa amby telopolo ny mpanjakan'i Syria, nanao hoe: "Aza manafika ny miaramila kely na ny lehibe. Fa ny mpanjakan'i Israely ihany no tafiho." 32 Ary rehefa nahita an'i Josafata ireo kapitenin'ny kalesy dia nanao hoe: "Iny tokoa no mpanjakan'Israely." Nihodina izy ireo mba hamely azy, ka niantsoantso mafy i Josafata. 33 Ary rehefa hitan'ireo mpifehy ny kalesy fa tsy iny no mpanjakan'i Israely, dia niverina tamin'ny fanenjehana azy izy ireo. 34 Fa nisy lehilahy iray nandefa ny zana-tsipìkany kitoatoa ary nahavoa ny mpanjakan'i Israely teo anelanelan'ireo fiarovan-tratrany. Ary i Ahaba niteny tamin'ny mpamily ny kalesiny hoe: "Mihodìna ka ento mivoaka ny ady aho, fa naratra mafy aho." 35 Nihamafy ny ady tamin'izany andro izany ary ny mpanjaka dia notohanana hitsangana tao amin'ny kalesiny nanatrika ny Syriana. Maty izy nony hariva. Nijininika avy teo amin'ny ratrany ka hatrany amin'ny vodi-kalesy ny rà. 36 Ary nony efa hilentika ny masoandro, dia nisy antsoantso mafy nanerana ny tafika, nanao hoe: "Samia mody any amin'ny tanànany avy ny lehilahy rehetra; ary samia mody any amin'ny faritaniny avy ny lehilahy rehetra!" 37 Dia maty i Ahaba mpanjaka ary nentina tany Samaria, ka nalevin'izy ireo tao Samaria izy. 38 Nosasan'izy ireo teo amin'ny farihin'i Samaria ny kalesy, ary nolelafin'ny amboa ny ràny (teo no fandron'ireo vehivavy janga), araka izay efa nambaran'ny tenin'i Yaveh. 39 Ary ny raharaha hafa mahakasika an'i Ahaba, sy izay rehetra nataony, ny trano ivory izay naoriny, ary ireo tanàna rehetra izay naoriny, moa ve tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ireo? 40 Ary nodimandry tany amin'ireo razambeny i Ahaba, ka i Ahazia zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. 41 Ary i Josafata zanaka lahin'i Asa nanomboka nanjaka nanerana an'i Joda tamin'ny taona faha-efatra nanjakan'i Ahaba mpanjakan'Israely. 42 Dimy amby telopolo taona i Josafata no nanomboka nanjaka, ary nanjaka tao Jerosalema nandritra ny dimy amby roapolo taona izy. Azoba no anaran-dreniny, ilay zanaka vavin'i Sily. 43 Nanaraka ny fomban'i Asa rainy izy; tsy niala tamin'ireo izy; nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy. Kanefa ny toerana avo dia tsy mba noravàna. Fa ny vahoaka mbola nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ireo toerana avo ihany. 44 Ary i Josafata nihavana tamin'ny mpanjakan'i Israely. 45 Ary ny raharaha hafa mahakasika an'i Josafata, sy ny hery izay nasehony, ary ny fomba niadiany, moa ve ireo tsy efa voasoratra ao anatin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda? 46 Nesoriny teo amin'ny tany ireo sisa tavela tamin'ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay mbola tamin'ny andron'i Asa rainy. 47 Tsy nisy mpanjaka tao Edoma, fa olona voatendry no nitondra tao. 48 Josafata nanao sambo fitaterana an-dranomasina; nandeha nankany Ofira izy ireo haka volamena, kanefa tsy lasa satria nikatso tao Ezion-gebera ireo sambo. 49 Dia hoy Ahazia zanaka lahin'i Ahaba tamin'i Josafata hoe: "Aoka mba hiara-hiantsambo amin'ny mpanomponao ny mpanompoko." Fa i Josafata tsy namela izany. 50 Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Josafata ary nalevina niaraka tamin'izy ireo tao an-tanànan'i Davida, razambeny; ary Jerohama zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. 51 Ahazia zanaka lahin'i Ahaba dia nanomboka nanjaka nanerana an'Israely tany Samaria tamin'ny taona faha-fito ambin'ny folo nanjakan'i Josafata mpanjakan'i Joda, ary nanjaka roa taona teo amin'i Israely izy. 52 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ary nanaraka ny fomban'ny rainy, tamin'ny fomban'ny reniny, ary tamin'ny fomban'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata, izay nitarihany ny Israely hanota. 53 Nanompo an'i Bala sy nivavaka taminy izy ary nanao izay nahatezitra an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, tahaka ny efa nataon-drainy ihany.
"3 taona"
Ity andian-teny ity dia nampiasaina nanamarihana ny fiatombohan'ny ampahan'ny tantara vaovao. Raha manana fomba hanaovana izany amin'ny fiteninao ianao, dia azonao ampiasaina eto izany.
Aahaba dia nametraka izany fanontaniana izany mba hanamafisana fa efa nobaboin'izy ireo indray i Ramota Gileada. D.H: "Ramota Gileada dia antsika, saingy mbola tsy nanao inona na inona isika ka naka izany teo an-tanan'ny mpanajakan'i Arama."
Eto ny teny "tanana" dia maneho hery. D.H: "Haka izany avy amin'ny fifehezan'ny mpanjakan'i Arama"
Josafata dia niteny tamin'i Ahaba fa izy dia olony, ary ireo soavaliny dia an'i Ahaba, midika izany fa Ahaba dia afaka mibaiko azy ireo araka ny maha mety azy. D.H: "Izaho, ireo miaramilako, ary ireo soavaliko sy ny anao dia ampiasaina amin'ny fomba rehetra maha mety azy."
"lehilahy 400"
Eto ny teny "tanana" dia maneho hery. D.H: "Fa ny Tompo dia hamela ny mpanjaka hambabo an'i Ramota-gileada.
Josafata dia maneho amin'i Ahaba amin'ny olona fahatelo mba hanehoana haja ho azy. D.H: "Tsy tokony hiteny izany ianao"
"nanamboatra tandroka vy ho an'ny tenany"
Ny asan'ireo mpaminany dia sarinteny famantarana izay manazava ny fomba handresen'i Ahaba ireo Syriana. Ny tafik'i Ahaba dia handresy amin'ny hery lehibe, toy ny omby manafika biby hafa.
Fandringanana ireo taifka fahavalo dia voalaza toy famotehana azy ireo. D.H: "mandra-paharinganao azy ireo" na "mandra-pamotehanao azy ireo."
Eto ny "tanana" dia maneho hery. D.H: "mamela ny mpanjaka hambabo izany"
"Henoy" na "tandremo izay lazaiko anao"
Ireo mpaminany rehetra milaza zavatra mitovy dia voalaza toy ny nitenenan'izy ireo amin'ny vava iray. Ny andian-teny "ny tenin'ireo mpaminany" dia manambara hafatra izay hambaran'ireo mpaminany. D.H: "Ireo mpaminany rehetra dia manamabara zavatra tsara mitovy amin'ny mpanjaka"
Eto ny teny "azy ireo" dia maneho "ny tenin'ireo mpaminany." D.H: "Aoka izay lazainao dia manaiky amin'izay efa nolazain'izy ireo."
ny teny "izahay" dia maneho an'i Ahaba, Josafata, ary ireo tafika afa-tsy Mikaia.
Eto ny teny "tanana" dia maneho hery. D.H: "hamela ny mpanjaka hambabo azy"
Ahaba dia mametraka izany fanontaniana izany am-pahakiviana hibedesana an'i Mikaia. D.H: "Imbe-tsaka aho no efa nila ... amin'ny anaran'i Yaveh."
Eto ny "teny anarana" dia maneho fahefana. D.H: "araka ny fanambaran'i Yaveh."
Eto ny "Israely rehetra" dia maneho ireo tafik'Israely rehetra. D.H: "Itako ireo tafik'Israely rehetra."
Ny olon'ny tafika dia nampitahaina amin'ireo ondry izay tsy misy mpitarika azy ireo satria ireo mpiandriny, sy ny mpanjaka, dia efa maty."
Yaveh miresaka amin'ny mpanjaka dia voalaza toy ny hoe mpiandry izy. Tahaka ny mpiandry mikarakara sy miaro ny ondriny, no andraikitrin'ny mpanjaka mitarika sy miaro ny olony. D.H: "Ireo olona ireo dia tsy misy mpitarika intsony."
Ahaba dia mametraka ity fanontaniana ity hanamafisana fa efa nilaza ny marina nahakasika an'i Mikaia izy. D.H: "Niteny anao aho ... fa loza ihany!"
Ahaba maty tamin'ny ady dia voalaza toy ny nahalavo azy. D.H: "maty tany Ramota Gileada"
"Iray ... sy ny iray hafa" dia maneho ireo roa na mihoatra eny an-danitra izay mamaly ny fanontanian'i Yaveh ao amin'ny andininy teo aloha.
Eto ny teny "fanahy" dia maneho ny toe-tsain'ireo mpaminany ary ny teny "vava" dia maneho izay ho lazain'izy ireo. D.H: "nahatonga ny mpaminany rehetra hiteny lainga."
"Asa" Ny teny "indro" eto dia manampy fanamafisana amin'izay manaraka.
Eto ny teny "fanahy" dia maneho ny toe-tsain'ireo mpaminany ary ny teny "vava" dia maneho izay rehetra ho lazain'izy ireo. D.H: "efa nahatonga ny mpaminaninao rehetra hiteny lainga."
Zedekia manontany ity fanontaniana maneso ity hanaratsiana sy hibedesana an'i Mikaia. D.H: "Aza miheritreritra hoe mamela ahy hiresaka aminao ny fanahin'i Yaveh!"
"Henoy" na "Tandremo izay lazaiko anao"
"ho fantatrao ny valin-teny amin'ny fanontanianao." Raha nadika ho fanambaràna ny fanontainana fampisainan'i Zedekia, dia azo nadika ho fizaram-baovavao ity andian-teny ity. D.H: "ho fantatrao fa ny fanahin'i Yaveh dia efa niresaka tamiko."
Ity dia mamaritra zavatra izay tsy tokony hitranga. Yaveh efa niteny an'i Mikaia fa ny mpanjaka dia hiverina soa aman-tsara.
"kapiteny 32"
Amin'ny alalan'ny fanendrena ny "kely" sy "miaramila lehibe" mitambatra." ireo miaramila rehetra no tian'ny mpanjaka atongavana. D.H: "Aza manafika na ny iray amin'ireo miaramila aza."
Ity andian-teny ity eto dia nampiasaina hanamarihana ny tantara mana-danja iray. Raha misy fomba anaovana izany ny fiteninao, dia azonao atao ny mampiasa izany eto.
Ireo mety ho dikany dia 1) izy dia nanana tanjona hitifitra an'ireo miaramila amin'ny tsy fahalalana fa i Ahaba izany na 2) nandefa ny zana-tsipìkany hitifirana tsy misy tanjona manokana tao an-tsainy izy.
D.H: "nisy olona nanohana ny mpanjaka tao amin'ny kalesiny."
Eto ny "antso" dia manambara ireo miaramila izay mihiaka. D.H: "nanomboka nihiaka ireo miaramila"
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary natambatra ho amin'ny fanamafisana.
D.H: "ireo miaramilany no nitondra ny vatany tany Samaria."
"nandevina azy ny olona"
Eto "ny tenin'i Yaveh" dia maneho an'i Yaveh tenany. D.H: "araka izay efa nambaran'i Yaveh"
Ny fanontaniana dia fampisainana ary nampiasaina ho amin'ny fanamafisana. D.H: "ireo dia voasoratra ao amin'ny Bokin'ny mpanjakan'Israely." na "azonao vakiana ao amin'ny Bikin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ireo."
Ahaba maty dia voalaza toy ny nahalavo azy. D.H: "maty"
"35 taona"
"25 taona"
Ny toetran'ny olona dia voalaza toy ny nandehanan'ny olona ny amin'ny lalana iray. D.H: "Nanao zavatra nitovy tamin'ny nataon'i Asa rainy izy"
Eto "ny maso" dia manambara fahitàna ary ny hevitr'i Yaveh dia voalaza toy fahazoana mahita zavatra. D.H: "izay noheverin'i Yaveh ho marina."
D.H: "tsy nandrava ireo toerana avo izy."
Ny fanontaniana dia fampisainana ary nampiasaina ho amin'ny fanamafisana. D.H: "ireo dia voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda." na "azonao vakiana ao Bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda ireo."
D.H: "rendrika ireo sambo"
Josafata maty dia voalaza toy ny nahalavo azy. D.H: "maty"
D.H: "nandevina azy ny olona"
"nanjaka 2 taona izy"
Ny hevitr'i Yaveh manambara zavatra dia voalaza toy ny nahitan'i Yaveh ireo zavatra. D.H: "izay heverin'i Yaveh ho ratsy."
Ny toetran'ny olona dia voalaza toy ny nandehanan'ny olona amin'ny lalana iray. D.H: "nanao zavatra nitovy toy nataon'ny rainy, ny reniny, ary i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata."
Eto ny teny "Israely" dia maneho ireo foko folo tavaratra izay nanao ny fanjakan'Israely.
Ny teny "nanompo" sy "nivavaka" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny.
Eto ny teny "Israely" dia maneho ireo taranam-poko roa ambin'ny folo avy amin'i Jakoba.
1 Taorian'ny nahafatesan'i Ahaba dia nikomy hanohitra an'Israely i Moaba. 2 Dia nikarapoka teo amin'ny makarakara tao amin'ny efitranony ambony tao Samaria i Ahazia, ary naratra. Ka nalefany ireo mpitondra ny hafany ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana, manontania an'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, raha ho sitrana amin'ity ratrako ity aho." 3 Fa ny anjelin'i Yaveh nilaza tamin'i Elia Tisbita hoe: "Miaingà, miakara hihaona amin'ireo mpitondra ny hafatry ny mpanjakan'i Samaria, ary anontanio amin'izy ireo hoe: 'Satria ve tsy misy Andriamanitra ao Israely no handeha haka hevitra any amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona ianao? 4 Noho izany dia hoy i Yaveh hoe: "Tsy hidina avy eo amin'ny fandrianao izay efa niakaranao ianao; fa kosa, ho faty tokoa ianao."" Avy eo dia lasa i Elia. 5 Rehefa niverina tany amin'i Ahazia ireo mpitondra hafatra, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Fa ahoana no niverina ianareo?" 6 Hoy izy ireo taminy: "Nisy lehilahy iray nihaona taminay nilaza hoe: 'Miverena any amin'ny mpanjaka izay nandefa anareo, ary lazao azy hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: 'Satria ve tsy misy Andriamanitra ao Israely no nandefa ny olonao haka hevitra any amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona ianao? Ka noho izany dia tsy hidina avy eo amin'ny fandrinao izay efa niakaranao ianao; fa kosa, ho faty tokoa ianao.""' 7 Ahazia niteny tamin'ireo mpandefa ny hafany hoe: "Lehilahy tahaka ny ahoana, izany olona nihaona taminareo ary nilaza ireo teny ireo izany?" 8 Izy ireo namaly azy hoe: "Nitafy akanjo vita amin'ny volo izy ary fehin-kibo hoditra teo amin'ny andilany." Ary ny mpanjaka namaly hoe: "Elia Tisbita izany." 9 Ary nandefa kapiteny miaraka amin'ny miaramila dimampolo ho any amin'i Elia ny mpanjaka. Niakatra tany amin'i Elia izay nipetraka tany an-tampon-kavoana ilay kapiteny. Hoy ilay kapiteny taminy hoe: "Ianao, ry lehilahin'Andriamanitra, nilaza ny mpanjaka hoe: 'Midìna."' 10 Elia namaly ary nilaza tamin'ilay kapiteny hoe: "Raha lehilahin'Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy eny amin'ny lanitra ny afo ary handevona anao sy ireo dimampolo lahinao." Dia nilatsaka avy teny amin'ny lanitra ny afo ary nandevona azy sy ireo dimampolo lahiny. 11 Nandefa kapiteny hafa indray niaraka tamin'ireo miaramila dimampolo ho any amin'i Elia i Ahazia mpanjaka. Hoy koa izany kapiteny izany tamin'i Elia hoe: "Ianao, ry lehilahin'Andriamanitra, nilaza ny mpanjaka hoe: 'Midìna faingana."' 12 Elia namaly ary nilaza tamin'izy ireo hoe: "Raha lehilahin'Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy eny amin'ny lanitra ny afo ary handevona anao sy ireo dimampolo lahinao." Dia nilatsaka avy teny amin'ny lanitra indray ny afon'Andriamanitra ary nandevona azy sy ireo dimam-polo lahiny. 13 Mbola nandefa vondrona mpiady dimampolo fanintelony indray ny mpanjaka. Niakatra io kapiteny io, nandohalika teo anoloan'ny Elia izy, ary niangavy azy sy nilaza taminy hoe: "Ianao, ry lehilahin'Andriamanitra, mangataka aminao aho, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko sy ny ain'ireto mpanomponao dimampolo ireto. 14 Eny tokoa, nilatsaka avy eny amin'ny lanitra ny afo ary nandevina ireo kapiteny anankiroa voalohany mbamin'ireo lehilahiny, fa ankehitriny aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko." 15 Ary ny anjelin'i Yaveh nilaza tamin'i Elia hoe: "Midìna miaraka aminy. Aza matahotra azy." Ka nitsangana Elia ary nidina niaraka taminy ho any amin'ny mpanjaka. 16 Taoriana kelin'izany dia hoy Elia tamin'i Ahazia hoe: "Izao no nolazain'i Yaveh: 'Efa nandefa mpitondra hafatra haka hevitra tany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona ianao. Satria ve tsy misy Andriamanintra ao Israely izay afaka angatahinao fampahafantarana? Koa ankehitriny, tsy hidina avy eo amin'ny fandriana izay niakaranao ianao; fa ho faty tokoa ianao."' 17 Dia maty araka ny tenin'i Yaveh izay nolazain'i Elia i Ahazia mpanjaka. Jorama no nanomboka nanjaka teo amin'ny toerany, tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jehorama zanak'i Josafata mpanjakan'i Joda, satria tsy nanan-janaka i Ahazia. 18 Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Ahazia, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ve izany?
"Ny firenen'i Moaba"
Ny efitrano ambony dia nahorina ao an-tampon-tranon'ny lapa. Ny makarakara dia haingo vita tamin'ny takelaka manify misadikadika mba hahazoana fefy na varavarankely manarona. DH: "ny takelaka hazo manodidina ny tafo mitapelaky ny lapa"
Anarana andriamanitra tsy izy.
Izany no anaran'Andriamanitra nambarany tamin'ny vahoakany tao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejin'ny dikan-teny momban'i Yaveh mikasika ny fomba fandikana izany.
Izany no ilazana ny olona avy ao amin'ny tanànan'i Tisba.
Napetraka izany fanontaniana fampisainana izany mba hibedesana azy ireo ny amin'ny nakan'izy ireo hevitra tany amin'i Bala-zeboba. Azo avadika ho fehezanteny tsotra izany. Fanesoana izany satria izy ireo dia mahafantatra tsara an'Andriamanitr'Israely. DH: "Ry adala! Fantatratrareo fa misy an'Andriamanitr'Israely, nefa ianareo dia manao toy ny tsy mahafantatra ka nandefa lehilahy haka hevitra tany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona!"
Ny teny hoe "maka hevitra" dia midika hoe mangataka hevitra amin'ny olona mikasika ny raharaha iray.
Izany no hafatr'i Yaveh tamin'i Ahazia Mpanjaka. DH: "Noho izany dia hoy i Yaveh tamin'i Ahazia Mpanjaka"
Rehefa naratra i Ahazia Mpanjaka, dia napetraka teo am-pandriana izy. Niteny i Yaveh fa tsy hihatsara mihitsy izy ary tsy ho tafala eo am-pandriany. DH: "Ianao dia tsy ho sitrana ary tsy ho tafatsangana avy eo am-pandrianao izay hitsoranao"
Rehefa avy nihaona tamin'i Elia ireo mpitondra hafatra, dia niverina tany amin'ny mpanjaka izy ireo raha tokony ho any Ekrona.
Napetraka izany fanontaniana fampisainana izany mba hibedesana azy ireo ny amin'ny nakan'izy ireo hevitra tany amin'i Bala-zeboba. Azo avadika ho fehezanteny tsotra izany. Fanesoana izany satria izy ireo dia mahafantatra tsara an'Andriamanitr'Israely. Jereo ao amin'ny 1:3 ny fomba nandikanao izany fanontaniana izany. DH: "Ry adala! Fantatratrareo fa misy an'Andriamanitr'Israely, nefa ianareo dia manao toy ny tsy mahafantatra rehefa nandefa lehilahy haka hevitra tany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona!"
Rehefa naratra i Ahazia Mpanjaka, dia napetraka teo am-pandriana izy. Niteny i Yaveh fa tsy hihatsara mihitsy izy ary tsy ho tafala eo am-pandriany. Jereo ao amin'ny 1:3 ny fomba nandikanao izany fanontaniana izany. DH: "Ianao dia tsy ho sitrana ary tsy ho tafatsangana avy eo am-pandrianao izay hitsoranao"
Ireo mety ho dikany dia 1) izany dia sarinteny ilazana fa voloina tokoa izy hany ka toy ny hoe akanjo ny volony. DH: "Voloina tokoa izy" na 2) "Vita avy amin'ny volom-biby ny akanjony"
Nandefa ny mpitariky ny tafika miaraka amin'ny miaramila dimampolo ho any amin'i Elia ny mpanjaka mba hitondra azy hiverina. DH: "Ary nandefa kapiteny miaraka amin'ny miaramila dimampolo hisambotra an'i Elia ny mpanjaka"
"miaramila 50"
Lehilahin'Andriamanitra no niantsoan'ilay kapiteny an'i Elia, nefa tsy nampiseho fanajana an'i Elia akory ilay kapiteny sy ilay mpanjaka. Niteny izany i Elia mba hilatsahan'ny afo avy eny amin'ny lanitra, ary izany dia hanaporofo fa lehilahin'Andriamanitra tokoa i Elia ka mendrika ny fanajan'izy ireo. DH: "Satria lehilahin'Andriamanitra aho, dia aoka hilatsaka avy eny amin'ny lanitra ny afo" na "Raha lehilahin'Andriamanitra araka ny nolazainao aho, dia aoka hilatsaka avy eny amin'ny lanitra ny afo"
"ny habakabaka" (UDB)
"miaramila 50"
Lehilahin'Andriamanitra no niantsoan'ilay kapiteny an'i Elia, nefa tsy nampiseho fanajana an'i Elia akory ilay kapiteny sy ilay mpanjaka. Niteny izany i Elia mba hilatsahan'ny afo avy eny amin'ny lanitra, ary izany dia hanaporofo fa lehilahin'Andriamanitra tokoa i Elia ka mendrika ny fanajan'izy ireo. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 1:9 izany fehezanteny izany. DH: "Satria lehilahin'Andriamanitra aho, dia aoka hilatsaka avy eny amin'ny lanitra ny afo" na "Raha lehilahin'Andriamanitra araka ny nolazainao aho, dia aoka hilatsaka avy eny amin'ny lanitra ny afo"
Izany dia midika fa avy amin'Andriamanitra ilay afo. DH: "afo avy amin'Andriamanitra"
"mpiady 50" na "miaramila 50"
"nitalaho taminy"
Niteny ilay kapiteny fa mpanompon'i Elia ihany ireo mpanompony izay hanome azy voninahitra ireo. DH: "ireo miaramilako dimam-polo" (UDB)
Ny andian-teny hoe "eo imasonao" dia ilazana izay fihevitr'i Elia. Niangavy an'i Elia ilay kapiteny mba hamela azy ireo ho velona. DH: "mba ataovy sarobidy aminao re ny aiko" na "hevero ho zava-dehibe aminao ny aiko ka aza vonoina izahay"
Eto dia namerimberina ny fangatahany tamin'i Elia ilay kapiteny mba hanehoan'i Elia hatsaram-panahy aminy ka hamela azy ho velona. DH: "aoka re ianao mba ho tsara famahy amiko!" (UDB) na "avelao re aho mba ho velona"
Napetraka izany fanontaniana fampisainana izany mba hibedesana azy ireo ny amin'ny nakan'izy ireo hevitra tany amin'i Bala-zeboba. Azo avadika ho fehezanteny tsotra izany. Fanesoana izany satria izy ireo dia mahafantatra tsara an'Andriamanitr'Israely. DH: "Mihevitra mihitsy ianareo fa tsy misy ny Andriamanitr'Israely izay tokony hangatahinareo fampahafantarana!" na "Ry adala! fantatrareo fa misy Andriamanitra azo hakana hevitra ao Israely, nefa ianareo mody tsy mahafantatra."
Rehefa naratra i Ahazia Mpanjaka, dia napetraka teo am-pandriana izy. Niteny i Yaveh fa tsy hihatsara mihitsy izy ary tsy ho tafala eo am-pandriany. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 1:3 izany. DH: "Ianao dia tsy ho sitrana ary tsy ho tafatsangana avy eo am-pandrianao izay hitsoranao"
"izay nolazain'i Yaveh tamin'i Elia no nolazain'i Elia"
"taona faha 2"
Izany dia manoritsoritra ny fotoana izay nanombohan'i Jorama nanjaka ary milaza ny fe-potoana izay nanjakan'ny mpanjakan'i Joda tamin'izany fotoana izany. DH: "tamin'ny taona faharoa izay naha-mpanjakan'i Joda an'i Jehorama zanak'i Josafata"
Azo atao fehezanteny tsotra izany fanontaniana fampisainana izany. DH: "Efa voasoratra ... Israely izany."
1 Ary rehefa handeha hampiakatra an'i Elia tamin'ny tafio-drivotra ho any an-danitra i Yaveh, dia niala tao Gilgala niaraka tamin'i Elisa i Elia. 2 Hoy i Elia tamin'i Elisa: "Mba mijanòna re eto, satria efa naniraka ahy ho any Betela i Yaveh." Namaly Elisa hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, ary raha mbola velona koa ianao, dia tsy handao anao aho." Dia nidina tany Betela izy ireo. 3 Nankany amin'i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tany Betela ary niteny taminy hoe: "Fantatrao ve fa haka ny tomponao aminao i Yaveh androany?" Namaly Elisa hoe: "Eny, fantatro izany, fa aza miresaka momba izany." 4 Hoy i Elia taminy: "Elisa, mba miandrasa eto re, satria efa naniraka ahy ho any Jeriko i Yaveh." Dia namaly Elisa hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, ary raha mbola velona koa ianao, dia tsy handao anao aho." Dia nandeha tany Jeriko izy ireo. 5 Dia nankany amin'i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tany Jeriko ary niteny taminy hoe: "Fantatrao ve fa haka ny tomponao aminao i Yaveh androany?" Dia namaly Elisa hoe: "Eny, fantatro izany, fa aza miresaka momba izany." 6 Dia hoy Elia taminy: "Mba mijanòna re, fa Yaveh efa naniraka ahy ho any Jordana." Namaly Elisa hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, ary raha mbola velona koa ianao, dia tsy handao anao aho." Dia nandeha izy roa. 7 Taty aoriana kely, nisy dimampolo tamin'ireo zanaky ny mpaminany nitsangana nifanatrika tamin'izy ireo teny lavitra raha nitsangana teo amoron'i Jordana izy roa. 8 Nalain'i Elia ny lambany, nahorongorony, ary nokapohiny tamin'izany ny rano. Nizara tamin'ny lafiny roa ny renirano ka nandeha tamin'ny tany maina izy roa. 9 Ary rehefa avy niampita izy ireo, dia hoy Elia tamin'i Elisa: "Angataho amiko izay tokony ho ataoko ho anao mialohan'ny hakana ahy aminao." Namaly Elisa hoe: "Aoka re mba ho tonga amiko ny avo roa henin'ny anjara fanahinao." 10 Namaly Elia hoe: "Efa nangataka zavatra sarotra ianao. Na izany aza, raha hitanao aho rehefa alàna aminao, dia hitranga aminao izany, fa raha tsia, dia tsy hitranga izany." 11 Raha mbola nandeha sy niresaka izy ireo, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo niseho, izay nanasaraka azy roa lahy, ary niakatra tamin'ny tafio-drivotra tany an-danitra i Elia. 12 Nahita izany Elisa ka nihiaka mafy hoe: "Raiko o, raiko o, ireo kalesin'Israely sy ireo mpitaingina izany!" Tsy hitany intsony i Elia, ka nohazoniny ireo akanjony ary norovitiny roa ireo. 13 Nalainy ny lamban'i Elia izay latsaka avy teny aminy, ary niverina mba hijoro teo amoron'i Jordana izy. 14 Nokapohiny tamin'ny lamban'i Elia izay latsaka ny rano ary hoy izy: "Aiza i Yaveh, Andriamanitr'i Elia?" Rehefa nikapoka ny rano izy, dia nizara teo amin'ny lafiny roa ireo ka niampita i Elisa. 15 Rehefa hitan'ireo zanaky ny mpaminany izay avy any Jeriko teo ampitan'izy ireo izy, dia hoy izy ireo: "Mitoetra ao amin'i Elisa ny fanahin'i Elia!" Dia tonga mba hitsena azy izy ireo, ary niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany. 16 Hoy izy ireo taminy: "Indro ankehitriny, misy lehilahy mahery dimampolo eo amin'ireo mpanomponao. Avelao izy ireo handeha, mangataka izahay, mba hitady ny tomponao, sao dia nampiakarina sy natsipin'ny fanahin'i Yaveh any amin'ny tendrombohitra na any amin'ny lohasaha izy." Namaly Elisa hoe: "Tsia, aza maniraka azy ireo." 17 Nefa rehefa namporisika an'i Elisa mandra-pahamenatra azy izy ireo, dia hoy izy: "Iraho izy ireo." Dia naniraka lehilahy dimampolo izy ireo, ary nitady nandritra ny telo andro izy ireo, kanefa tsy nahita azy. 18 Niverina tany amin'i Elisa izy ireo, raha nitoetra tao Jeriko izy, dia hoy izy tamin'izy ireo: "Tsy niteny taminareo ve aho hoe: 'Aza mandeha'?" 19 Ireo olon'ny tanàna niteny tamin'i Elisa hoe: "Indro, miangavy anao izahay, ny zava-misy eto amin'ity tanàna ity dia mahafinaritra, araka izao hitan'ny tompoko izao, nefa ratsy ny rano ary tsy mamokatra ny tany." 20 Namaly Elisa hoe: "Itondray lovia vaovao aho ka asio sira ao anatiny," dia nitondra izany teo aminy izy ireo. 21 Nivoaka nankany amin'ny loharano Elisa ary nanipy sira tao anatin'izany; dia hoy izy hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: 'Efa nanasitrana ireo rano ireo Aho. Manomboka amin'izao fotoana izao, dia tsy hisy fahafatesana na tany tsy mahavokatra intsony.'" 22 Koa dia sitrana ireo rano mandraka androany, tamin'ny alalan'ny teny izay nolazain'i Elisa. 23 Dia niakatra avy tao ho any Betela Elisa. Rehefa niakatra ny lalany izy, dia nisy tovolahy nivoaka ny tanàna ary nanevateva azy; hoy izy ireo taminy: "Miakara, ianao ry solaloha! Miakara, ianao ry solaloha!" 24 Nijery tany aoriany Elisa ary nahita azy ireo; niantso an'i Yaveh izy mba hanozona azy ireo. Dia nisy beravavy roa nivoaka avy tao an'ala ka nandratra roa amby efapolo tamin'ireo tovolahy. 25 Dia niala teo ho any an-tendrombohitra Karmela i Elisa, ary avy teo no niverenany ho any Samaria.
"Ary tamin'ny" Izany andian-teny izany dia nampiasaina mba hampidirana ny tranga manaraka ao amin'ny fizotry ny tantara.
rivo-mahery mihodinkodina
"Raha velona tokoa i Yaveh, ary raha velona koa aho." Eto Elisa dia mampitaha ny fahamarinan'ny fahaveloman'i Yaveh sy Elia sy ny fahamarinan'ny zavatra izay lazainy. Izany dia fomba fianianianana ampahibemaso. DH: "Mianiana ampahibemaso aminao aho fa"
Izany akory tsy midika hoe zanaka mpaminany izy ireo, fa kosa, anisan'ireo mpaminany izy ireo. DH: "Vondron'olona mpaminany"
"Raha velona tokoa i Yaveh ary raha velona koa ianao, dia tsy handao anao aho." Eto Elisa dia mampitaha ny fahamarinan'ny fahaveloman'i Yaveh sy Elia sy ny fahamarinan'ny zavatra izay lazainy. Izany dia fomba fianianianana ampahibemaso. Jereo ao amin'ny 2:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "Mianiana ampahibemaso aminao aho fa tsy handao anao"
"Rehefa tonga tany akaikin'i Jeriko i Elia sy Elisa, dia hoy ireo zanaka lahy avy ao an-toerana tamin'i Elisa hoe"
Izany akory tsy midika hoe zanaka mpaminany izy ireo, fa kosa, anisan'ireo mpaminany izy ireo. Jereo ao amin'ny 2:3 ny fomba nadikanao izany. DH: "Vondron'olona mpaminany"
"Raha velona tokoa i Yaveh ary raha velona koa ianao, dia tsy handao anao aho." Eto Elisa dia mampitaha ny fahamarinan'ny fahaveloman'i Yaveh sy Elia sy ny fahamarinan'ny zavatra izay lazainy. Izany dia fomba fianianianana ampahibemaso. Jereo ao amin'ny 2:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "Mianiana ampahibemaso aminao aho fa tsy handao anao"
"50 tamin'ireo zanaky ny"
Izany akory tsy midika hoe zanaka mpaminany izy ireo, fa kosa, anisan'ireo mpaminany izy ireo. Jereo ao amin'ny 2:3 ny fomba nandikanao izany. DH: "Vondron'olona mpaminany"
Izany dia midika fa nitsangana, nifanatri-tava izy ireo. DH: "nitsangana nifanatri-tava izy ireo" na "nitsangana nifampitodika izy ireo"
Karazana akanjo ivelany indrindra fisalorana.
"Nisokatra ny ranon'i Jordana ka nanjary nisy lalana maina hahafahan'i Elia sy Elisa mankeny am-pita"
"niankavia sy niankavanana." Izany dia ilazana ny havia sy ny havanan'ny toerana izay nikapohan'i Elia ny rano.
"Ary tamin'ny"
Ny fiampitana ny ranon'i Jordana no tiana ho lazaina amin'izany. DH: "niampita ny ranon'i Jordana"
Azo adika amin'ny fomba hafa izany. DH: "mialohan'ny hakan'i Yaveh ahy aminao"
Eto ny fanahin'i Elia dia ilazana ny hery ara-panahiny. DH: "avo roa henin'ny herinao ara-panahy"
Ny teny hoe "indro" eto dia manaitra antsika mba hifantoka amin'ny vaovao tsy ampoizina izay hitranga.
Eto ny teny hoe "afo" dia midika fa voadidina afo ireo. DH: "kalesy voadidina afo tarihina soavaly voadidina afo" (UDB)
"nentin'ny tafio-drivotra nankany an-danitra." Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 2:1 ny teny hoe "tafio-drivotra."
Mpitarika hajaina no niantsoan'i Elisa an'i Elia.
Matetika dia mandrovitra ny akanjony ny olona mba ho famantarana fa ory sy malahelo mafy izy ireo. DH: "notriariny roa ireo mba hanehoany ny alahelony lehibe"
Ny lamba dia akanjo ivelany indrindra fitondran'ny mpaminany. Izany dia famantarana ho an'ny asany. Rehefa nalain'i Elisa ny lamban'i Elia dia nolazainy fa nisolo ny toeran'i Elia amin'ny maha-mpaminany azy izy.
Nanontany i Elisa raha momba azy i Yaveh tahaka ny nombany an'i Elia. DH: "Yaveh, Andriamanitr'i Elia, momba ahy ve Ianao?"
Nisaraka ny renirano ary namakivaky ny tany maina nankeny am-pita i Elisa, tahaka ny nataony raha mbola niaraka tamin'i Elia izy.
"niankavia sy niankavanana." Izany dia ilazana ny havia sy ny havanan'ny toerana izay nikapohan'i Elisa ny rano.
Izany akory tsy midika hoe zanaka mpaminany izy ireo, fa kosa, anisan'ireo mpaminany izy ireo. Jereo ao amin'ny 2:3 ny fomba nandikanao izany andian-teny izany. DH: "Vondron'olona mpaminany"
Naneho fanajana lalina taminy izy ireo ary nampahafantatra azy fa izy no mpitarik'izy ireo vaovao.
Eto ny hoe "fanahin'i Elia" dia ilazana ny heriny ara-panahy. Izany dia miresaka ny fananan'i Elisa ilay hery ara-panahy ho toy hoe zavatra azo tsapain-tanana mitoetra ao aminy. DH: "Nanana ny hery ara-panahy izay nananan'i Elia i Elisa" na "Ao amin'i Elisa ankehitriny ilay hery ara-panahy izay nananan'i Elia"
Izy ireo tenany ihany tian'izy ireo hambara raha niteny izy ireo hoe "lehilahy mahery dimampolo." DH: "Indreto ankehitriny, izahay dimampolo lahy ary ankehitriny dia mpanomponao izahay. Avelao azahay handeha"
"lehilahy mahery 50"
Nanamafy ny fangatahany tamin'i Elisa ireo zanaky ny mpaminany nandra-pahasorena azy ny amin'ny fitenenana hoe "tsia." DH: "Nisisika nangataka tamin'i Elisa izy ireo nandra-pahasorena azy ny amin'ny fandavana izany fangatahan'izy ireo izany.
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Elisa mba hanasongadinany fa efa niteny azy ireo mialoha ny amin'izay hitranga izy. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Efa niteny anareo aho fa tsy tokony nandeha ianareo, satria tsy hahita azy ianareo!" (UDB)
"Ireo mpitariky ny tanàna"
Izany dia midika fa tsara toerana ilay tanàna. DH: "Eto amin'ny toerana tsara ity tanàna ity"
Eto dia "tompoko" no iantsoan'ireo lehilahy an'i Elisa mba ho fanomezam-boninahitra azy.
"ahazoana vokatra tsara"
Ny fanadiovan'i Yaveh ny rano ratsy dia resahina toy ny hoe nanasitrana izany izy. DH: "nanadio ireo rano"
Izany dia ilazana ireo zavatra ateraky ny rano ratsy. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "tsy hisy fahafatesana na olana aterak'ity rano ity intsony" na "manomboka izao dia hitondra fiainana sy hanampy ny tany ho tonga mamokatra ity rano ity"
Azo adika amin'ny fomba hafa izany. DH: "tonga madio ireo rano"
Izany dia midika fa mbola mijanona amin'ny endriny mahazatra ny zavatra sasany mandraka ankehitriny. DH: "tamin'ny alalan'ny teny izay nolazain'i Elisa, dia mbola madio hatramin'izao"
Ny teny hoe "niakatra" dia nampiasaina satria i Betela dia ambony toerana kokoa noho i Jeriko.
Naniry ny hialan'i Elisa teo amin'izy ireo ireo tovolahy ary tamin'ny hoe "miakara" no nitenenan'izy ireo izany. DH: "Mandehana" (UDB)
Ny olona sola dia tsy misy volo mihitsy eo amin'ny lohany. Naneso an'i Elisa tamin'ny fananany loha sola ireo tovolahy.
"40 tamin'ireo tovolahy"
1 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josafata mpanjakan'i Joda, no nanomboka nanjaka teo amin'Israely tao Samaria i Jorama zanaka lahin'i Ahaba; nanjaka nandritra ny roa ambin'ny folo taona izy. 2 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, fa tsy mba tahaka ny rainy sy ny reniny; fa nesoriny ny tsangam-bato masina an'i Bala izay namboarin'ny rainy. 3 Na izany aza dia nihazona ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata izy, izay nampanota an'i Israely, tsy nivily tamin'izany izy. 4 Ary i Mesa mpanjakan'i Moaba dia niompy ondry. Tsy maintsy nanome zanak'ondry 100. 000 sy volon'ondry lahy 100. 000 ho an'ny mpanjakan'Israely izy. 5 Fa taorian'ny nahafatesan'i Ahaba, dia nikomy nanohitra ny mpanjakan'Israely ny mpanjakan'i Moaba. 6 Ary nandao an'i Samaria i Jorama mpanjaka tamin'izany fotoana izany mba hanentana ny Israely rehetra ho amin'ny ady. 7 Nandefa hafatra tamin'i Josafata mpanjakan'i Joda izy, nilaza hoe: "Efa nikomy hanohitra ahy ny mpanjakan'i Moaba. Handeha hiaraka amiko hifanandrina amin'i Moaba ve ianao?" Namaly i Josafata hoe: "Handeha aho, tahaka anao ihany aho, ny oloko dia toy ny olonao, ireo soavaliko dia toy ireo soavalinao." 8 Ary niteny izy avy eo hoe: "Amin'ny lalana aiza no tokony hanafihantsika?" Namaly i Josafata hoe: "Amin'ny lalana mamaky ny efitr'i Edoma." 9 Ka nandeha nihodidina nandritra ny fito andro ireo mpanjakan'Israely, Joda, ary Edoma. Tsy nahitana rano ho an'ny tafik'izy ireo, na ho an'ireo soavaliny sy ireo biby hafa. 10 Koa niteny ny mpanjakan'Israely hoe: "Fa inona ity? Moa ve niantso mpanjaka telo hatolotra ho eo an-tanan'i Moaba i Yaveh?" 11 Kanefa nilaza i Josafata hoe: "Tsy misy mpaminanin'i Yaveh ve eto, hahafahantsika maka torohevitra amin'i Yaveh amin'ny alalany?" Ary namaly ny iray tamin'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Israely nanao hoe: "Eto i Elisa zanaka lahin'i Safata, izay nandraraka rano teo an- tanan'i Elia." 12 Hoy i Josafata: "Momba azy ny tenin'i Yaveh." Ka nidina nankany aminy, i Josafata, mpanjakan'Israely, ary ny mpanjakan'i Edoma. 13 Hoy i Elisa tamin'ny mpanjakan'Israely: "Mpifaninona moa izaho sy ianao? Mandehana mankany amin'ireo mpaminanin'ny rainao sy reninao." Ka niteny taminy ny mpanjakan'Israely hoe: "Tsia, satria i Yaveh niantso ireto mpanjaka telo ireto niaraka mba hanolotra azy ho eo an-tanan'i Moaba." 14 Namaly i Elisa: "Raha mbola velona koa i Yaveh tompon'ny maro, izay eo anatrehany no hijoroako, raha tsy nohon'ny fanajako ny fanatrehan'i Josafata mpanjakan'i Joda, dia tsy nihaino anao aho, na nijery anao akory. 15 Fa ankehitriny hitondrao mpitendry zava-maneno aho." Ary rehefa nitendry ny mpitendry lokanga, dia tonga teo amin'i Elisa ny tanan'i Yaveh. 16 Nilaza izy hoe: "Izao no nambaran'i Yaveh, 'Fenoy hady kely io lohasahan-driaka maina io.' 17 Fa hoy i Yaveh: 'Tsy hahita rivotra ianao, na orana, fa ho dibo-drano io lohasahan-driaka io, ary hisotro ianareo, ianareo sy ny biby fiompinareo sy ny bibinareo rehetra.' 18 Izany dia zavatra mora eo imason'i Yaveh. Hanome anareo fandresena eo amin'ireo Moabita ihany koa Izy. 19 Hanafika ny tanàna voaaro mafy sy tanàna tsara rehetra ianareo, hanapaka ny hazo tsara rehetra, hanajanona ny loharano rehetra, ary handrava ireo tany tsara rehetra amin'ny vato." 20 Koa tamin'ny maraina nanodidina ny fotoana fanolorana ny sorona, dia nisy rano nikoriana avy any Edoma; dibo-drano ny tany. 21 Ary nony nandre ireo Moabita rehetra fa tonga hiady aminy ireo mpanjaka, dia niara-niangona izy ireo, ireo rehetra afaka nanao akanjo fiarovana, ka nitsangana teo amin'ny sisin-tany izy ireo. 22 Nifoha maraina izy ireo ary ny masoandro nitaratra teo amin'y rano. Nony nahatazana ny rano teo ampitany ireo Moabita, dia niloko mena tahaka ny rà izany. 23 Nihoraka mafy izy ireo hoe: "Rà io! Tena ringana tokoa ireo mpanjaka, ary nifamono izy ireo! Ankehitriny ary, ry Moaba, andeha isika handroba azy ireo!" 24 Nony nankany amin'ny tobin'Israely izy ireo, nanampoka ireo Israelita izy ireo ka nanafika ireo Moabita, izay nandositra teo anatrehany. Notaritin'ny tafik'Israely nanerana ny tany ireo Moabita, dia novonoiny izy ireo. 25 Nopotehiny ireo tanàna, ary ny velaran-tany tsara rehetra dia nofafazan'ny lehilahy rehetra vato mandra-paharakotra izany. Notapenan'izy ireo ny loharano rehetra, nokapain'izy ireo ny hazo tsara rehetra. Ary Kira-haresa sisa no tavela tsy nihetsika ny vatony. Fa nodidinin'ireo miaramila mpitana antsamotady izany ary notafihany. 26 Nony hitan'i Mesa mpanjakan'i Moaba fa resy an'ady izy, dia naka mpitan-tsabatra fitonjato niaraka taminy izy hanafika ny mpanjakan'i Edoma, kanefa tsy nahomby izy ireo. 27 Dia nalainy ny zanany lahimatoa izay tokony nanjaka nandimby azy, ary natolony ho fanatitra dorana teo ambonin'ny manda izy. Ka nisy hatezerana lehibe nihatra tamin'Israely, dia nandao an'i Mesa Mpanjaka ny tafiky ny Israelita ka nody tany amin'ny taniny.
Izany dia manoritsoritra ny fotoana izay nanombohan'i Jorama nanjaka ary milaza ny fe-potoana izay nanjakan'ny mpanjakan'i Joda tamin'izany fotoana izany. DH: "tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo naha-mpanjakan'i Joda an'i Josafata"
"ny taona faha 18"
Indraindray io lehilahy io dia atao ihany koa hoe "Jehorama." Eto anefa dia tsy ilay olona antsoina amin'ny anarana hoe "Jehorama" izay voalaza ao amin'ny 1:17 ity olona ity.
Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia entina ilazana izay fihevitr'i Yaveh. DH: "Nanao izay zavatra nolazain'i Yaveh fa ratsy izy" na "Nanao izay zavatra noheveren'i Yaveh fa ratsy izy"
Izany dia mampitaha fa ny ratsy izay nataony dia kely noho izay efa maro nataon'ny ray aman-dreniny. DH: "nefa tsy nanao ratsy maro tahaka izay efa nataon'ny rainy sy ny reniny izy" (UDB)
Ny tsangam-bato dia nampiasaina tamin'ny fiderana an'i Bala, na dia izany aza dia tsy fantatra ny mety ho endriky ny tsangam-bato. DH: "ny tsangam-bato fiderana an'i Bala"
Izany dia fomba fiteny. Eto ny hoe "mihazona" dia midika hoe manohy manao zavatra iray. DH: "nanohy ny fahotan('i) ... izy"
Anaran-dehilahy izany.
Ny hoe "mivily" dia fomba fiteny izay midika hoe mitsahatra amin'ny fanao iray. DH: "tsy nitsahatra nanota izy" (UDB) na "nanohy ny fahotany izy"
Tsy maintsy nanome ireo zavatra ireo ho an'ny mpanjaka i Mesa satria nofehezin'ny mpanjakan'Israely ny fanjakany. Azo azavaina ny tena hevitr'izany fehezanteny izany. DH: "Isan-taona dia voatery nanome zanak'ondry 100.000 sy volon'ondry lahy 100.000 ho an'ny mpanjakan'Israely izy, satria nofehezin'ny mpanjakan'Israely ny fanjakany" (UDB)
"mba hanomana ny vahoakan'Israely ho amin'ny ady." Eto ny hoe "Israely rehetra" dia ilazana ireo miaramila Israelita rehetra. DH: "mba hanentana ny miaramila Israelita rehetra ho amin'ny ady"
Mbola nanohy ny resany tamin'i Josafata Mpanjaka ihany eto i Jorama Mpanjaka.
Ny teny hoe "ianao" dia manondro an'i Josafata, nefa koa manondro azy sy ny tafiny. Eto ny hoe "Moaba" dia ilazana ny "tafik'i Moaba." DH: "Handeha hiaraka amiko hifanandrina amin'ny tafik'i Moaba ve ianao sy ny tafikao?"
Nilaza i Josafata fa hiaraka amin'i Jorama Mpanjaka hiady amin'i Moaba izy sy ny tafiny manontolo. DH: "Hiaraka aminao izahay"
Namela an'i Jorama nampiasa azy, ny olony, ary ireo soavaliny amin'izay ilàny azy i Josefata. Toy ny hoe an'i Jorama ny filazan'i Josafata izany. Azo adika mazava ny tena hevitr'izany fehezanteny izany. DH: "Vonona hanao izay rehetra asainao atao izahay. Vonona hanampy anao ireo miaramilako sy ireo soavaliko" (UDB)
"Amin'ny fandehanana mamakivaky ny efitr'i Edoma"
Izany dia ilazana ireo mpanjaka sy ireo tafiny. DH: "ireo mpanjakan'Israely, Joda, ary Edoma mbamin'ny tafik'izy ireo"
Izany dia manoritsoritra ny fomba nandehanan'izy ireo araka ny voalaza ao amin'ny 3:7.
Faribolana izay miendrika antsaka boribory.
Azo adika amin'ny fomba hafa izany. DH: "tsy nisy rano hitan' ..."
Nampiasa fanontaniana fampisainana ny mpanjaka mba hanasongadinany ny faharatsian'ny toe-draharaha. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Toy ny hoe namela antsika telo ho voasambotr'i Moaba i Yaveh!"
Eto ny hoe "Moaba" dia ilazana ireo tafiny. Ary koa, ny hoe "-tanan(a)" dia ilazana ny fifehezan'i Moaba. DH: "hatolotra eo ambany fahefan'i Moaba" na "mba horesen'ny tafik'i Moaba"
Eto i Josafata dia mampiasa fanontaniana fampisainana mba hilazany fa misy mpaminany tokoa eo an-toerana ary tokony ho hita ny misy azy. Azo avadika fehezanteny tsotra izany. DH: "Azoko antoka fa misy mpaminanin'i Yaveh eto! Lazao ahy izay misy azy, mba hahafahanay maka hevitra amin'i Yaveh amin'ny alalany."
Anaran-dehilahy izany.
Izany fomba fiteny izany dia midika fa mpanampin'i Elia izy. Ny andian-teny hoe "nandraraka rano teo an- tanana" dia fanoritsoritana ny iray amin'ireo fomba nanompoany an'i Elia. DH: "izay mpanampin'i Elia"
Izany dia midika fa mpaminany izy ary i Yaveh no miteny aminy izay tokony holazainy. DH: "Milaza izay asain'i Yaveh lazaina izy" (UDB)
Nandeha nihaona tamin'i Elisa izy ireo ary naka hevitra taminy mikasika izay tokona hataon'izy ireo. Azo adika mazava ny tena hevitr'izany andian-teny izany. DH: "nandeha nihaona tamin'i Elisa izy ireo mba hanontany azy izay tokony hataon'izy ireo"
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Elisa mba hanasongadinany fa tsy misy na inona na inona iraisana izy sy ny mpanjaka. Izany fanontaniana izany dia azo atao fehezanteny tsotra. DH: "Tsy misy tokony hifampiraharahako aminao." na "Tsy misy na inona na inona ifandraisako aminao."
Eto ny hoe "tanan'i Moaba" dia ilazana ny fifehezan'i Moaba. DH: "mba hanolotra azy ireo ho eo ambany fifehezan'i Moaba" na "mba hamela azy ireo hosamborin'ny tafika Moabita"
"Raha mbola fantatro koa fa velona i Yaveh tompon'ny maro, izay eo anoloany tokoa no hijoroako." Eto Elisa dia mampitaha ny fahamarinan'ny fahaveloman'i Yaveh amin'ny fitompoan-teny fatratra fa raha tsy teo i Josafata dia tsy nihaino an'i Jorama izy. Izany dia fomba fianianana ampahibemaso. DH: "Raha mbola velona tokoa i Yaveh tompon'ny maro, izay eo anatrehany no hijoroako, dia mianiana aminao aho fa"
Eto ny fanompoana an'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe mijoro eo amin'ny fanatrehany. DH: "izay tompoiko"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Mihaino anao ihany aho satria manome haja ny fanatrehan'i Josafata mpanjakan'i Joda aho"
Eto dia i Josafata ihany no tiana ho lazaina amin'ny hoe fanatrehana. DH: "ny fanajako an'i Josafata"
Mitovy ny hevitr'ireo andian-teny roa ireo ary niara-nampiasaina izany mba hanasongadinana fa tsy hihaino an'i Jorama mihitsy izy ireo. DH: "Tsy hisy zavatra hifampiraharahako aminao mihitsy"
"Ary nony"
olona miteny lokanga
Eto ny hoe "tanan'i Yaveh" dia ilazana ny "heriny." DH: "tonga teo amin'i Elisa ny herin'i Yaveh"
Ny hady dia lavaka lalina fanangonan-drano
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "hofenoiko rano io lohasahan-driaka io"
Izany dia midika fa hisotro ny rano izay novatsian'i Yaveh izy ireo. DH: "hisotro ny rano ianareo"
Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana izay fomba fihevitr'i Yaveh. DH: "Mihevitra i Yaveh fa zavatra mora azo atao izany" na "Mora amin'i Yaveh ny manao izany zavatra izany" (UDB)
Ny tanàna voaaro dia tsara ambina amin'ny fisian'ny rindrim-be manodidina ary toerana fiarovana amin'ny fahavalo izany.
Izany dia midika hoe fafazana vato ny tany mamokatra mba hanasarotra ny fiasana izany. Azo azavaina ny hevitr'izany fehezanteny izany. DH: "handrava ny tany tsara rehetra amin'ny fanaronana ireo amin'ny vato"
"nanomboka nikoriana ny rano"
"tsy ela akory dia dibo-drano ny tany"
"tanàna"
Izany andian-teny izany eto dia mari-pihatoana ao amin'ny fizotry ny tantara. Eto ny mpitantara dia milaza ny fampahafantarana fototra mikasika fiomanan'ny tafika Moabita hifanandrina amin'ireo mpanjaka telo sy ireo tafiny.
Eto ny hoe "akanjo fiarovana" dia entina ilazana ireo izay havanana amin'ny ady. DH: "Ireo lehilahy rehetra izay afaka miady"
Eto ny hoe "mpanjaka" dia ilazana ireo mpanjaka sy ireo tafiny. DH: "tonga ... ireo mpanjaka mbamin'ireo tafiny" na "tonga ... ireo mpanjaka sy tafiny"
Izany dia fampitahana ny endriky ny rano izay miloko mena amin'ny lokon-drà. DH: "Mena toy ny rà"
"Moaba" no ilazan'ireo miaramila ny tenan'izy ireo. DH: "Miaramilan'i Moaba"
"hangalatra ny fananan'izy ireo." Rehefa maharesy ireo fahavalony ny miaramila, dia matetika izy ireo mandroba ireo tanàna amin'ny fangalarana izay zavatra lafo vidy tavela.
Eto ny hoe "Israely" dia ilazana ireo miaramilan'Israely fotsiny ihany fa tsy ny firenena Israely manontolo akory. DH: "Ny toerana izay nananganan'ireo miaramila Israelita ny lain'izy ireo" (UDB)
Eto ny hoe "Israely" dia ilazana ireo miaramilan'Israely fotsiny ihany fa tsy ny firenena Israely manontolo akory. DH: "nanampoka ... ireo miaramila Israelita"
"nandositra azy ireo"
Renivohitr'i Moaba.
Ireo manda sy ireo fanorenana lehiben'ny tanàna dia vita tamin'ny vato. Azo azavaina ny hevitr'izany fehezanteny izany. DH: "mbola teo amin'ny toerany ihany ny rindrim-bato sy ireo fanorenana lehibe"
Ny "antsamotady" dia vita avy amin'ny hodi-biby, misy tady lava amin'ny tendrony roa, ka amin'izany no ametrahana ny vato na zavatra mafy azo atoraka amin'ny toerana lavitra.
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:4 ny anaran'izany mpanjaka izany.
"fa resy ny tafiny"
"mpitan-tsabatra 700"
miaramila miady amin'ny sabatra
"tonga dia hanitsy eny amin'ny mpanjaka." Nisy miaramila maro be teo amin'ny sahan'ady ka nanasarotra ny fandehanana tao anaty olona maro izany.
Nodoran'i Mesa Mpanjaka ny zanany lahy ary tsy najanony izany raha tsy maty izy. Nataony ho fanatitra ho an'i Kemosy ilay andriamani-kafa an'i Moaba izany. Azo azavaina ny tena hevitr'izany fehezanteny izany.
Eto ny hoe "hatezerana" dia azo avadika matoanteny. Eto dia tsy fantatra mazava hoe iza no tezitra, izany hoe na: 1) Ireo miaramila Moabita. DH: "Ka tezitra mafy tamin'Israely ireo miaramila Moabita" na "2) Andriamanitra. DH: "Ka tezitra mafy tamin'Israely Andriamanitra"
1 Ary ny vadin'ny iray tamin'ireo zanaky ny mpaminany tonga nitomany tamin'i Elisa, nanao hoe: "Maty ny vadiko ilay mpanomponao, ary fantatrao fa ny mpanomponao dia natahotra an'i Yaveh. Ankehitriny ny mpampindram-bola dia tonga haka ireo zanako roa mba ho mpanompony." 2 Ka hoy i Elisa taminy: "Inona no azoko atao ho anao? Lazao ahy inona avy no hanananao ao an-tranonao?" Ary hoy izy: "Tsy manana na inona na inona afa-tsy diloilo iray tavoara ny mpanomponao ao an-trano." 3 Ary hoy i Elisa: "Mandehana mindrana siny any amin'ireo mpiray vodirindrina aminao, siny tsy misy na inona na inona." Farak'izay betsaka hindramina. 4 Avy eo dia tsy maintsy miditra ao anatiny ianao ary mirindrim-baravarana ao ianao sy ireo zanakao lahy, ary mandraraha diloilo ao amin'ny siny rehetra; ary atokàny ireo siny izay feno." 5 Ka nandao an'i Elisa izy ary nirindrim-baravarana izy sy ireo zanany lahy. Nentin'izy ireo tao aminy ireo siny, ka nofenoiny diloilo ireo. 6 Rehefa feno ny siny, dia hoy izy tamin'ireo zanany: "Hitondray siny hafa aho." Fa hoy ny zanany taminy: "Tsy misy siny intsony." Dia tsy niraraka intsony ny diloilo. 7 Ary tonga izy ka niteny tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra. Hoy izy hoe: "Mandehana, varoty ny diloilo; aloavy ny trosanao, ary hivelomy miaraka amin'ireo zanakao lahy ny ambiny." 8 Indray andro i Elisa nandeha tany Sonema any amin'izay hitoeran'ny vehivavy manan-danja iray; nasainy hiara-hisakafo aminy izy. Ary isaky ny andalo izy, dia hijanona ka hisakafo ao. 9 Hoy ilay vehivavy tamin'ny vadiny: "Indro, mahatsapa aho ankehitriny fa izy dia lehilahy masin'Andriamanitra izay mandalo mandrakariva. 10 Ndeha isika hanao efitra kely ambony rihana ho an'i Elisa, ka ho asiantsika fandriana ao anatiny, latabatra, seza, ary jiro. Ka rehefa tonga eto amintsika izy, dia hijanona eto." 11 Ary tonga indray ny andro dia nijanona tao i Elisa, nipetraka tao amin'ilay efitra izy ary naka aina tao. 12 Hoy i Elisa tamin'i Gehazy ilay mpanompony: "Antsoy io Sonemita io." Rehefa avy niantso azy izy, dia nitsangana teo anatrehany. 13 Ary hoy i Elisa taminy: "Teneno amin-dravehivavy hoe: 'Efa nankaty amin'izao olana rehetra izao ianao mba hiahy anay. Ka inona no azo atao ho anao? Afaka misolo vava anao any amin'ny mpanjaka na any amin'ny lehiben'ny tafika ve izahay?"' Dia namaly izy hoe: "Miara-mipetraka amin'ny vahoakako aho." 14 Ka hoy i Elisa: "Inona izany no azontsika atao ho azy?" Dia namaly i Gehazy hoe: "Eny tokoa, tsy manan-janaka izy, ary efa antitra ny vadiny." 15 Ka namaly i Elisa hoe: "Antsoy izy." Rehefa avy niantso azy izy, dia nitsangana teo amin'ny varavarana. 16 Hoy i Elisa: "Amin'ny fotoana toy izao, afaka herin-taona, dia hitrotro zazalahy ianao." Ka hoy ravehivavy: "Tsia, ry tompoko sady lehilahin'Andriamanitra, aza mandainga amin'ny mpanomponao." 17 Fa ny taona manaraka ihany ravehivavy dia nitoe-jaza ary niteraka zazalahy, araka izay efa nolazain'i Elisa taminy. 18 Rehefa niha-lehibe ny zaza, indray andro dia nandeha niaraka tamin'ny rainy, izay niaraka tamin'ireo mpijinja izy. 19 Hoy izy tamin'ny rainy: "Ny lohako, ny lohako." Dia hoy ny rainy tamin'ny mpanompony: "Ento any amin'ny reniny izy." 20 Rehefa naka azy sy nitondra ilay zazalahy tany amin'ny reniny ilay mpanompo, dia nipetraka teo am-pofoany ilay zaza mandra-pitaotaovovonana ary maty avy eo. 21 Ka nitsangana ilay vehivavy ary nametraka ilay zazalahikely teo amin'ny fandrian'ilay lehilahin'Andriamanitra, nanidy ny varavarana, ary nivoaka. 22 Niantso ny vadiny izy, ary niteny hoe: "Mba andefaso iray amin'ireo mpanompo sy iray amin'ireo ampondra re aho mba hahafahako mandeha haingana any amin'ilay lehilahin'Andriamanitra ary hiverina avy eo." 23 Dia hoy ny vadiny: "Nahoana ianao no te-ho any aminy anio? Tsy tsinam-bolana na Sabata izao." Ka namaly izy hoe: "Tsy maninona re." 24 Dia nasiany lasely ny ampondra iray ary hoy izy tamin'ny mpanompony hoe: "Ampandehano haingana; ary aza mandeha mora raha tsy miteny aho." 25 Ka nandeha ravehivavy ary tonga tao amin'ilay lehilahin'Andriamanitra tany amin'ny Tendrombohitra Karmela. Ary rehefa nahita azy avy lavitra ilay lehilahin'Andriamanitra, dia niteny tamin'i Gehazy mpanompony izy hoe: "Indro, tonga ilay vehivavy Sonemita. 26 Mihazakazaha faingana mba hitsena azy sy hilaza aminy hoe: "Milamina ve ny aminao sy ny vadinao ary ny zanakao?"' Dia namaly izy hoe: "Milamina tsara." 27 Rehefa tonga teo amin'ilay lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra ravehivavy, dia nohazoniny ny tongony. Nanatona akaiky i Gehazy mba hanala azy kanefa hoy ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Avelao izy, fa tohina tanteraka, ary nafenin'i Yaveh tamiko ilay olana, ary tsy niteny na inona na inona tamiko." 28 Dia hoy ravehivavy: "Nangataka zanaka taminao ve aho, ry tompoko? Tsy efa niteny ve aho hoe: 'Aza fitahana aho'?" 29 Dia hoy i Elisa tamin'i Gehazy: "Miakanjoa ho an'ny dia ary ento amin'ny tananao ny tehiko. Mandehana any an-tranony. Raha mifanena amin'ny olona ianao, dia aza miarahaba azy, ary raha misy olona miarahaba anao, dia aza mamaly azy. Ateheno eo amin'ny tarehin'ilay zaza ny tehiko." 30 Fa ny renin'ilay zaza niteny hoe: "Raha velona koa i Yaveh, ary raha velona koa ianao, dia tsy handao anao aho." Ka nitsangana i Elisa ary nanaraka azy. 31 nialoha faingana azy ireo i Gehazy ary nametraka ny tehina teo amin'ny tarehin'ilay zaza, nefa tsy niteny na nandre ilay zaza. Ka niverina tany amin'i Elisa i Gehazy ary niteny taminy hoe: "Mbola tsy nifoha ilay zaza." 32 Rehefa tonga tao an-trano i Elisa, dia mbola maty teo ambony fandriana ilay zaza. 33 Ka niditra tao i Elisa ary nirindrim-baravarana tao izy sy ilay zaza ka nivavaka tamin'i Yaveh izy. 34 Nitsangana izy ary nandry teo amin'ilay zaza; nametraka ny molony teo amin'ny molony, ny masony teo amin'ny masony, ary ny tanany teo amin'ny tanany. Naninjitra ny tenany teo amin'ilay zaza, ka lasa nafana ny vatan'ilay zazalahikely. 35 Ary nitsangana i Elisa ary nivezivezy tao amin'ny efitra ary niakatra indray ka naninjitra ny tenany teo ambonin'ilay zazalahikely. Nihevona im-pito ilay zazalahy ary nanokatra ny masony. 36 Ka niantso an'i Gehazy i Elisa ary niteny hoe: "Antsoy ilay Sonemita!" Ka dia niantso azy izy, ary rehefa tonga tao amin'ny efitra izy, dia hoy i Elisa: "Raiso ny zanakao." 37 Dia nampiakohoka ny tavany teo amin'ny tany teo amin'ny tongony izy ary nandohalika teo amin'ny tany, ka naka ny zanany dia nivoaka. 38 Ary niverina tany Gilgala indray i Elisa. Nisy mosary tao amin'ilay tany, ary nipetraka teo anoloany ireo zanaky ny mpaminany. Hoy izy tamin'ny mpanompony: "Ataovy eo amin'ny afo ny siny lehibe ary mandrahoa hanina ho an'ireo zanaky ny mpaminany." 39 Nidina tany an-tsaha mba hitango legioma ny iray tamin'izy ireo. Nahita voaloboka dia izy ary nanangona tanatanamanga dia mba hamenoana ny moron-tongotry ny akanjony. Notapatapahany ary nataon'izy ireo tao amin'ny hanina izany, nefa tsy nahafantatra ny karazan'izany izy ireo. 40 Ka nandoatra ny hanina mba ho hanin'ireo lehilahy izy ireo. Afaka kelikely, raha teo am-pihinanana izy ireo, dia nihiaka mafy nanao hoe: "Ry lehilahin'Andriamanitra, misy mahafaty ao am-bilany!" Ka tsy afaka ny hihinana izany intsony izy ireo. 41 Fa hoy i Elisa hoe: "Mitondrà koba." Nanipy izany tao anaty vilany izy ary niteny hoe: "Lohary ho an'ny olona izany, mba hihinana izy ireo." Ka tsy nisy zavatra mahafaty intsony tao am-bilany." 42 Nisy lehilahy iray avy any Bala-salisa nankany amin'ny lehilahin'Andriamanitra ary nitondra mofo vita tamin'ny vary hordea roapolo vao nojinjaina, ary salohim-bary vaovao tao anaty kitapony. Hoy izy: "Omeo an'ireo olona ireto mba hahafahan'izy ireo mihinana." 43 Hoy ny mpanompony: "Ahoana no hanomezako izany an'ireo olona zato?" Fa hoy i Elisa hoe: "Omeo ny olona ireto, mba hahafahan'izy ireo mihinana, satria i Yaveh niteny hoe: "Hihinana izy ireo ary hamela ambiny." 44 Ka nanome izany azy ireo ny mpanompony; dia nihinana izy ireo, ary nisy sisa tavela, araka ny teny fampanantenan'i Yaveh.
Izany akory tsy midika hoe zanaka mpaminany izy ireo, fa kosa, anisan'ireo mpaminany izy ireo. Jereo ao amin'ny 2:3 ny fomba nandikanao izany. DH: "ireo mpaminany"
"ny vadiko, izay mpanomponao"
Olona mampindrana vola amin'ny olona hafa.
Milaza ny tenany ho mpanompon'i Elisa ilay vehivavy mba ho mari-panajana azy.
Ny hany mba zavatra lafo vidy nananany dia diloilo iray tavoara.
Izany dia midika hoe miditra ao an-trano. Azo azavaina ny tena hevitr'izany fehezanteny izany. DH: "tsy maintsy miditra ao an-tranonao ianao"
"vilany"
Elia no tiana lazaina amin'izany. DH: "Elia, ilay lehilahin'Andriamanitra"
Midika izany hoe ampiasaina ny vola mba hividianana izay ilain'izy ireo, toy ny sakafo sy akanjo. DH: "ampiasao ary ividiano izay ilainao ho an'ny fivelomanao sy ireo zanakao lahy ny ambin'ny vola"
Anaran-tanàna izany.
Izany dia midika fa nangataka azy mba hijanona hiaraka hisakafo aminy tao an-tranony izy. DH: "nangataka azy mba ho any an-tranony hiaraka hisakafo izy"
"mandalo ao Sonema"
"Takatro ankehitriny"
"izay mandalo matetika"
Mbola nanohy ny resany tamin'ny vadiny mikasika an'i Elisa ilay vehivavy manan-danja.
Eto ny hoe "isika" dia tsy iza fa ilay vehivavy manan-danja sy ny vadiny.
Anaran-dehilahy izany.
"Antsoy io vehivavy Sonemita io." Izany dia ilazana ilay vehivavy avy any Sonema izay nijanonan'i Elisa.
Ny andian-teny hoe "'izao olana rehetra izao" dia ilazana ny zavatra rehetra izay nataon'ilay vehivavy ho an'i Elisa. DH: "Efa naneho fahatsaram-panahy
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Inona no azonay atao aminao"
Eto i Elisa dia nanontany an-dravehivavy sao mba maniry azy hisolo vava hanao fangatahana ho azy amin'ny mpanjaka na amin'ny lehiben'ny tafika. Azo azavaina ny tena hevitr'izany fanontaniana izany. DH: "Afaka manao fangatahana ho anao ve izahay"
Nilaza ilay vehivavy fa tsy mila fanampiana izy satria miahy azy ny fianakaviany. DH: "Monina manodidina ahy ny fianakaviako, ary satria mikarakara ahy izy ireo, dia tsy mila fanampiana aho."
"asaivo mankaty izy hihaona amiko"
"Rehefa avy niantso azy Gehazy"
Eto izany dia ilazana ny tokonam-baravarana. DH: "tokonam-baravarana"
"ny zanakao lahy"
Ireo anarana roa ireo no niantsoan'ilay vehivavy an'i Elisa.
Mpanompon'i Elisa no nilazan'ilay vehivavy ny tenany mba ho mari-panajana an'i Elisa.
"Erin-taona taty aoriana ihany"
"Rehefa lehibe ny zaza"
Niteny izany ilay zaza satria naharary azy ny lohany. DH: "Maharary ahy ny lohako! Maharary ahy ny lohako!" (UDB)
Ny hoe "teo am-pofoany" dia midika hoe teo ambony feny. Nampofoany ilay zanany mandra-pahafaty azy. DH: "Nampofoiny teo ambony feny izy mandra-pitaotaovovonana ary maty izy avy eo"
Izany dia ilay fandriana efa nomaniny ho an'i Elisa rehefa misy dia alehany any Sonema.
"Elisa, ilay lehilahin'Andriamanitra"
Nilaza tamin'ny vadiny ilay vehivavy fa andeha hijery an'i Elisa izy nefa tsy nilaza izy fa andeha satria maty ny zanany. Azo ampiana teny hafa ny fehezanteny mba hampazava azy kokoa toy ny ao amin'ny UDB. DH: "mba hahafahako mandeha haingana any amin'ilay lehilahin'Andriamanitra ary hiverina avy eo." Nefa tsy niteny tamin'ny vadiny izy fa maty ny zanak'izy ireo."
Nilaza izany ilay vehivavy, satria fantany fa tsy haninona tokoa raha manao izay angatahiny ny vadiny. Azo azavaina ny tena hevitr'izany andian-teny izany. DH: "Hilamina ny zava-drehetra raha manao izay angatahiko ianao"
Tsy ilay vehivavy no nametraka ny lasely, fa ilay mpanompony ny nanao izany ho azy. DH: "Nanana ny mpanompony hametraka lasely amin'ny ampondra izy"
"Ary namakivaky ny Tendrombohitra Karmela, izay nisy an'i Elisa, ilay lehilahin'Andriamanitra ravehivavy"
"Ary raha mbola lavitra ravehivavy, dia efa tazan'i Elisa nanatona"
"Tsy maninona" na "Eny, milamina ny zava-drehetra" (UDB)
"Tendrombohitra Karmela"
Izany dia midika fa nandohalika ravehivavy ary nihohoka tamin'ny tany teo anatrehany ka namikotra ny tongony. DH: nihohoka tamin'ny tany teo anatrehany ravehivavy ary nametraka ny tanany manodidina ny tongony"
Hitan'i Elisa fa tezitra ravehivavy nefa tsy nambaran'i Yaveh taminy ny anton'ny olany.
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany ravehivavy mba hanehoany fa tezitra tamin'izay zava-nitranga izy. Nampahatsiahy ilay resany tamin'i Elisa ravehivavy rehefa nilaza izy fa hanan-janaka. Azo atao fehezanteny tsotra izany fanontaniana izany. DH: "Tsy nangataka taminao aho mba hanome zanaka ahy, nefa kosa nangataka taminao aho mba tsy handainga amiko!"
"Miomàna ho amin'ny dia"
Nasain'i Elisa nanao ny diany farak'izay haingana i Gehazy, ary tsy nahajanona izy na dia hiresaka amin'ny olona aza.
"Ary raha mbola velona tokoa i Yaveh ary raha mbola velona koa ianao." Eto ilay vehivavy dia mampitaha ny fahamarinan'ny teniny sy ny fahamarinan'ny fahaveloman'i Yaveh sy Elisa. Izany dia fomba fianianana ampahibemaso. DH: "Mianiana aho fa"
Izany dia midika fa tsy miaina intsony ilay zaza. Azo azavaina ny tena hevitr'izany fehezanteny izany. DH: "nefa tsy nisy famantarana naneho fa mbola velona ilay zaza"
Eto ny hoe maty dia lazaina toy ny hoe resin-tory. DH: "mbola maty"
"Ka niditra tao amin'ny efitrano izay nitsoran'ilay zaza i Elisa, ary nanakatona ny varavarana"
"nitsotra teo ambonin'ilay zaza indray"
"Ilay vehivavy Somanita"
Niankohoka teo anatrehan'i Elisa ravehivavy ho fanehoany ny fanajany sy ny fankasitrahany lehibe. DH: "Ary nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany teo anatrehan'i Elisa ravehivavy mba haneho ny fankasitrahany azy"
Izany akory tsy midika hoe zanaka mpaminany izy ireo, fa kosa, anisan'ireo mpaminany izy ireo. Jereo ao amin'ny 2:3 ny fomba nandikanao izany andian-teny izany. DH: "Vondron'olona mpaminany"
Ny tena hevitr'izany eto dia sakafo ahitana hena sy legioma ary andrahoina amin'ny rano ao anaty vilany.
Izany legioma izany dia maniriniry ho azy, izany hoe tsy nambolen'olombelona.
Nahorongorony ny moron-tongotry ny akanjony
Tsy nahafantatra izy ireo na azo hohanina izany na tsia satria tsy fantatr'izy ireo ny karazan'izany tanatanamanga izany. DH: "nefa tsy fantatr'izy ireo na tokony hohanina izany na tsia"
"nandoatra ny hanina tao am-bilia ... izy ireo"
Izany dia midika fa misy zavatra mety hahafaty azy ireo tao am-bilany, fa tsy hoe akory misy fatin-javatra ao am-bilany. DH: "Misy zavatra hahafaty antsika ao am-bilany" (UDB)
"Nataony tao anaty vilany ilay hanina"
"Arosoy ny olony izany"
Anaran-tanàna izany.
"mofo vita tamin'ny vary hordea 20"
"natao tamin'ny vokatra farany"
"laingom-bary vaovao." Izany no ilazana ny vary vao nojinjaina.
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany ilay lehilahy mba hanehoany fa tsy ampy amahanana olona 100 izany mofo izany. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Tsy ampy amahanana olona zato izany"
"olona 100"
Yaveh ihany no tiana lazaina amin'ny hoe "teny". DH: "Yaveh"
1 Ary Namàna, mpifehy ny tafiky ny mpanjakan'i Syria, dia lehilahy lehibe sady be voninahitra eo imason'ny tompony, satria tamin'ny alalany no nanomezan'i Yaveh fandresena an'i Syria. Lehilahy matanjaka, be herim-po ihany koa izy, kanefa boka. 2 Nandeha nivoaka isan-tokony ireo Syriana ary naka zazavavy kely iray avy tao amin'ny tanin'Israely. Nanompo ny vadin'i Namàna izy. 3 Hoy ilay zazavavy tamin'ny tompovaviny hoe: "Enga anie mba hiaraka amin'ilay mpaminany izay any Samaria ny tompoko! Ary hanasitrana ny tompoko amin'ny habokany izy." 4 Koa nandeha i Namàna ary niteny tamin'ny mpanjaka izay nolazain'ilay zazavavy kely avy any amin'ny tanin'Israely. 5 Dia hoy ilay mpanjakan'i Syria hoe: "Mandehana ankehitriny, ary hampitondra taratasy ho an'ny mpanjakan'Israely aho." Lasa i Namàna ary nitondra talenta volafotsy folo, volamena enin'arivo, sy akanjo fisoloana folo niaraka taminy. 6 Nitondra ilay taratasy ho an'ny mpanjakan'Israely ihany koa izy izay nilaza hoe: "Rehefa entina aminao ity taratasy ity, dia ho hitanao fa nandefa an'i Namàna mpanompoko aminao aho, mba hanasitrananao azy amin'ny habokany." 7 Rehefa avy namaky ilay taratasy ny mpanjakan'Israely, dia nandrovitra ny akanjony izy ary niteny hoe: "Moa ve Andriamanitra aho, ka hamono na hamelona, no mila ahy hanasitrana lehilahy amin'ny habokany ity lehilahy ity? Ohatran'ny mitady hifanditra amiko izy." 8 Koa rehefa ren'i Elisa ilay lehilahin'Andriamanitra fa nandriatra ny ankanjony ilay mpanjakan'Israely, dia nandefa teny tany amin'ny mpanjaka izy nanao hoe: "Nahoana no norovitinao ny akanjonao? Avelao izy hanatona ahy ankehitriny, dia ho fantany fa misy mpaminany ao Israely." 9 Ka tonga niaraka tamin'ireo soavaliny sy kalesiny i Namàna ary nijoro teo am-baravaran'ny tranon'i Elisa. 10 Naniraka mpitondra hafatra tany aminy Elisa, nanao hoe: "Mandehana ary ampandroy impito ao amin'i Jordana ny tenanao, dia hiverina amin'ny laoniny ny nofonao; hadio ianao." 11 Fa tezitra i Namàna ary lasa ka niteny hoe: "Indro, noheveriko fa hivoaka hanatona ahy izy ary hitsangana sy hiantso ny anaran'i Yaveh Andriamaniny, ary hanofahofa ny tanany amin'ilay toerana ka hanasitrana ny habokako. 12 Moa i Abana sy Farpara, reniranon'i Damaskosy, tsy tsara kokoa noho ny rano rehetra ao Israely? Tsy afaka mandro ao amin'ireo ve aho dia hadio?" Dia niverina izy ary lasa an-katezerana. 13 Avy eo ireo mpanompon'i Namàna nanakaiky ka niresaka taminy hoe: "Ry raiko, raha nandidy anao hanao zava-tsarotra sasany ny mpaminany, moa tsy nanao izany ve ianao? Koa mainka fa, rehefa miteny tsotra anao izy hoe: 'Ampandroy ny tenanao dia hadio ianao?" 14 Avy eo dia nandeha nidina izy ary nampandro ny tenany impito tao amin'i Jordana, nankatò ireo toromarik'ilay lehilahin'Andriamanitra. Niverina toy ny nofon-jazakely indray ny nofony, ary sitrana izy. 15 Niverina tany amin'ilay lehilahin'Andriamanitra i Namàna, izy sy ireo mpiara-dia taminy rehetra ary nijoro teo anoloany. Hoy izy hoe: "Indro, fantatro ankehitriny fa tsy misy Andriamanitra manerana ny tany afa-tsy ao Israely ihany. Noho izany, raiso ny fanomezana avy amin'ny mpanomponao." 16 Fa Elisa namaly hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, izay eo anatrehany no hijoroako, dia tsy handray na inona na inona aho." Namporisika an'i Elisa mba handray ilay fanomezana i Namàna, fa nandà izy. 17 Noho izany dia hoy i Namàna hoe: "Raha tsy izany, dia mangataka aminao aho mba hanome ny mpanomponao tany ampy zakain'ny ampondra roa, satria manomboka izao, dia hanome fanatitra dorana na sorona ho an'andriamani-kafa intsony ny mpanomponao afa-tsy i Yaveh. 18 Aoka mba hamela heloka ny mpanomponao Yaveh amin'ity zavatra iray ity, dia izao, rehefa miditra aoan-tranon'i Rimona ny mpanjakako mba hanompo ao, ary mitehina amin'ny tanako izy dia miankohoka ao an-tranon'i Rimona aho, rehefa miankohoka ao an-tranon'i Rimona aho, dia enga anie Yaveh mba hamela heloka ny mpanomponao amin'izany zavatra izany." 19 Dia hoy i Elisa taminy hoe: "Mandehana am-piadanana." Dia lasa i Namàna. 20 Nandeha halavirana fohy ihany izy, rehefa niteny taminy i Gehazy mpanompon'i Elisa ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Indro, efa namindra fo ity Namàna ilay Syriana ny tompoko tamin'ny tsy fandraisana ireo fanomezana izay nentiny teny an-tanany. Raha mbola velona koa i Yaveh, dia hanaraka azy aho ary handray zavatra avy aminy." 21 Noho izany dia nanaraka an'i Namàna i Gehazy. Rehefa nahita olona nihazakazaka tao ahoriany i Namàna, dia nitsambikina nidina tamin'ny kalesiny izy mba hitsena azy ary niteny hoe: "Mety ve ny zavatra rehetra?" 22 Dia hoy i Gehazy hoe: "Mety daholo ny zavatra rehetra. Nirahin'ny tompoko aho, nanao hoe: 'Indro, nisy tovolahy roa avy amin'ireo zanaky ny mpaminany tonga nanatona ahy avy any amin'ny vohitr'i Efraima. Miangavy re mba omeo talenta volafotsy iray sy akanjo hisoloana roa izy ireo." 23 Namaly i Namàna hoe: "Faly be aho manome talenta volafotsy roa ho anao." Namporisika an'i Gehazy i Namàna ary namatotra talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa, niaraka tamin'ireo akanjo roa hisoloana, ary nametraka ireo tamin'ny roa tamin'ireo mpanompony, izay nitondra ireo kitapom-bolafotsy nialoha an'i Gehazy. 24 Rehefa tonga tao amin'ny havoana i Gehazy, dia naka ireo kitapom-bolafotsy teny an-tanan'izy ireo izy ary nanafina ireo tao an-trano; nalefany ireo lehilahy, ka lasa izy ireo. 25 Rehefa niditra i Gehazy ary nitsangana nanoloana ny tompony, dia hoy i Elisa taminy hoe: "Avy aiza ianao, ry Gehazy?" Namaly izy hoe: "Tsy nandeha taiza na taiza ny mpanomponao." 26 Hoy i Elisa tamin'i Gehazy hoe: "Tsy niaraka taminao ve ny fanahiko rehefa nihodina tamin'ny kalesiny mba hitsena anao ilay lehilahy? Fotoana fandraisana vola sy akanjo, tanin'oliva sy tanim-boaloboka, ondry sy omby, ary mpanompo lahy sy vavy ve izao? 27 Noho izany dia ho aminao sy ny taranakao mandrakizay ny habokan'i Namàna." Koa niala tamin'ny fanatrehany i Gehazy, boka fotsy tahaka ny oram-panala.
Ny hoe "imason'ny tompony" dia ilazana izay fomba fiheveran'ilay tompo zavatra iray. DH: "araka ny hevitry ny tompony"
Eto ny hoe "Syria" dia ilazana ny tafika Syriana. DH: "tamin'ny alalan'i Namàna, no nanomezan'i Yaveh fandresena an'ny tafika Syriana"
Eto ny hoe "Syriana" dia ilazana ireo miaramila Syriana.
"ho antoko vitsivitsy handeha hanafika." Izany dia midika fa misy antoko vitsivitsy mivoaka andeha hanafika.
Niresaka tamin'ny vadin'i Namàna ilay vehivavy avy any Israely, izay nosamborin'ireo miaramila Syriana.
Eto ny hoe "tompoko" dia ilazana an'i Namàna.
Hanome taratasy ho an'i Namàna ny mpanjaka mba ho entiny any amin'ny mpanjakan'Israely. DH: "hampitondra taratasy anao aho"
"talenta volafotsy 10, volamena 6000." Azo atao ny mampiasa fadanjana vaovao. DH: "volafotsy 340 kilao, volamena 6000"
Fanomezana ho an'ny mpanjakan'Israely avy any amin'ny mpanjakan'i Asyria izany. DH: "nentiny niaraka taminy ny talenta volafotsy folo ... akanjo fisoloana folo ho fanomezana ho an'ny mpanjakan'Israely"
Matetika dia mandrovitra ny akanjony ny olona rehefa ao anaty alahelo lehibe. DH: "nandrovitra ny akanjony izy mba hanehoany ny alahelo"
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany ny mpanjaka mba hanehoany fa manafintohina ny fangatahan'ny mpanjakan'i Syria sady zavatra tsy hainy atao. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Tena mihevitra ny mpanjakan'i Syria fa izaho dia karazana Andriamanitra manana fahefana amin'ny fahafatesana sy ny fiainana! Maniry ahy hanasitrana ity lehilahy ity amin'ny habokany izy, nefa tsy mahay manao izany aho."
Tsy nino ny mpanjakan'Israely fa fangatahana ny hanasitranana an'i Nahàma no tena votoatin'ilay taratasy. Nihevitra izy fa fiatombohana ady ny tena anton'ilay taratasy. DH: "Ohatrany mitady irika hiadiana amiko izy"
Niresaka mikasika an'i Namàna tamin'ny mpanjakan'Israely i Elisa.
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Elisa mba hanehoany fa tsy tokony halahelo sy handrovitra ny akanjony ny mpanjaka. DH: "Tsy misy tokony hampalahelo anao ka handrovitanao ny akanjonao."
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "hihatsara ny nofonao"
Izany dia midika fa tsy haloto intsony ny hodiny. Ny olona izay heverin'Andriamanitra fa tsy azo ekena ara-panahy na voaloto ara-panahy dia lazaina toy ny hoe maloto ara-batana. Ny fiheveran'Andriamanitra ny olona boka dia olona voaloto.
Eto izany teny izany dia ampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona ny amin'izay hitranga manaraka. DH: "Henoy"
Eto dia i Yaveh ihany no lazaina amin'ny hoe "anarana." DH: "Yaveh"
"amin'ilay faritra misy ilay aretina eo amin'ny hoditra" na "amin'ilay feriko"
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Namàna mba hanasongadinany fa tsara noho i Jordana ny reniranon'i Abana sy Farpara. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Ny Renirano Abana sy Farpara, any amin'ny tany niaviako any Syria dia tsara noho ireo renirano any Israely!"
Anarana renirano ireo.
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Namàna mba hanehoany fa afaka mandro ao amin'ny renirano mora foana izy. Nino izy fa ny fandroana ao amin'ireo toy ny fandroana ao Jordana no hahasitrana azy. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Tokony nandro tao amin'ireo aho ary sitrana!"
"tezitra mafy izy raha lasa nandeha"
Tamin'ny filazana azy hoe "Ry raiko" na "tompoko" no nanehoan'ireo mpanompony ny fanajan'izy ireo an'i Namàna.
Nametraka izany fanontaniana izany ireo mpanompo mba hitenenan'izy ireo mafy an'i Namàna. DH: "nataonao tokoa izany!"
Eto ilay mpanompo dia nanao fampitahana fa matoa i Namàna nankatò hanao zava-tsarotra dia mahavita mankatò zavatra tsotra ihany koa izy izany. DH: "Hatraiza ny fetran'ny zavatra ankatoavinao" na "Moa tsy vao mainka ary hanakatò izany ianao"
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana ilay mpanompo mba hanehoany amin'i Namàna fa tokony hankatò ny didin'i Elisa izy. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Tokony mankatò ianao rehefa miteny tsotra anao izy hoe : "Ampandroy ny tenanao ary midiova ianao"
"Elisa, ilay lehilahin'Andriamanitra"
Izany dia mampitaha ny halefaky ny hoditr'i Namàna taorian'ny nahasitranany amin'ny hoditra zazakely. DH: "Niverina amin'ny laoniny indray ny hodiny ary nalefaka toy ny nofon-jazakely izany" na "Niverina tsara tarehy indray ny hodiny ary malefaka toy ny hodi-jazakely"
"ny hodiny"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "sitrana ny habokany"
Eto izany teny izany dia ampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona ny amin'izay hitranga manaraka. DH: "Henoy"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany.DH: "Ny Andriamanitr'Israely ihany no Andriamanitra tena izy!"
"Ary raha mbola velona tokoa i Yaveh izay eo anatrehany no hijoroako." Eto Elisa dia mampitaha ny fahamarinan'ny teniny sy ny fahamarinan'ny fahaveloman'i Yaveh fa tsy nahazo fanomezana avy tany amin'i Namàna izy. Izany dia fomba fianianana ampahibemaso. DH: "Raha mbola velona koa i Yaveh, izay eo anatrehany no hijoroako, dia mianiana aminao aho,"
Ny fanompoana an'i Yaveh eto dia resahina toy ny hoe mijoro eo amin'ny fanatrehany. DH: "izay tompoiko"
Izany dia midika fa nandà fanomezana izy. DH: "Tsy handray fanomezana aho"
Azo ampiana teny hafa izany. DH: "Raha tsy handray ireo fanomezana izay nentiko ho anao ianao"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "aoka aho mba haka"
Nangataka i Namàna mba haka tany avy ao Israely ary hametraka izany ao anaty gony mba ho entin'ireo ampondra roa mody any aminy. Ary avy eo dia nikasa hanangana alitara eo ambonin'ilay tany izy. DH: "tany avy any Israely izay zakan'ireo ampondra roa, mba hahafahako manorina alitara ho an'i Yaveh."
Mba ho fanajana an'i Elisa dia nilaza ny tenany ho mpanompony i Namàna.
Azo soratana amin'ny endrika hafa izany. DH: "Tsy hanolotra fanatitra dorana na sorona ho an'ireo andriamani-kafa ny mpanomponao fa ho an'Andriamanitra" na "hanolotra fanatitra dorana sy sorona ho an'i Yaveh irery ihany"
Ny mpanjakan'i Syria izay niasan'i Namàna no tiana ho lazaina amin'izany.
"nanankina ny tenany tamin'ny sandriko izy." Izany dia midika fa nanatrika ny mpanjaka i Namàna rehefa niankohoka tao an-tranon'i Rimona ny mpanjaka satria na efa antitra ny mpanjaka na narary.
"Mandehana mody ary aza manahy" na "Mandehana ary aza matahotra"
"Nandeha ... Namàna"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 4:12 izany anaran-dehilahy izany.
Nampiasaina izany teny izany mba hisarihana ny sain'ny olona ny amin'izay hitranga manaraka. DH: "Henoy"
"namela an'i Namàna ilay Syriana nandeha mora foana"
"tamin'ny tsy fanekena"
Eto ny hoe "tanany" dia manondro an'i Namàna ary maneho fa malala-tanana izy. DH: "avy any aminy"
"Ary satria velona tokoa i Yaveh." Eto Gehazy dia mampitaha ny fahamarinan'izay efa nataony sy ny fahamarinan'ny fahaveloman'i Yaveh. Izany dia fomba fianianana ampahibemaso. DH: "Raha velona koa i Yaveh, dia mianiana aho"
Izany akory tsy midika hoe zanaka mpaminany izy ireo, fa kosa, anisan'ireo mpaminany izy ireo. Jereo ao amin'ny 2:3 ny fomba nandikanao izany. DH: "anisan'ireo mpaminany"
Nangataka tamin'i Namàna i Gehazy mba hanome azy ireo zavatra ireo mba hahafahany mitondra ary manome izany an'ireo mpaminany. DH: "Miangavy re mba omeo talenta volafotsy iray sy akanjo hisoloana roa ho azy ireo"
Nampiasaina izany teny izany mba hisarihana ny sain'ny olona ny amin'izay hitranga manaraka. DH: "Henoy"
Azo atao ny mampiasa fandanjana vaovao. DH: "volafotsy 34 kilao"
Azo atao ny mampiasa fandanjana vaovao eto. DH: "volafotsy 68 kilao"
"nanome ireo an' ..."
Namporisika an'i Gehazy izy mba handray ireo fanomezana. DH: "Namporisika an'i Gehazy i Namàna mba handray ireo fanomezana"
Eto i Gehazy dia milaza ny tenany ho mpanompon'i Elisa.
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Elisa mba hanehoany fa namela azy ahita izay nataon'i Gehazy i Yaveh. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Tokony fantatrao fa nahita anao ny fanahiko rehefa nanajanona ny kelisiny mba hiresaka aminao izy."
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Elisa mba hanehoany fa tsy fotoanan'ny fanomezana izao. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Tsy fotoana fanekena vola izao ... mpanompo lahy sy vavy"
Toy ny hoe nesorina tamin'i Namàna ny habokany ary nafindra tamin'i Gehazy sy ny taranany. DH: "ho boka tahakan'i Namàna ianao sy ny taranakao"
Ny teny hoe "fanatrehany" dia ilazana ny toerana izay nahitany an'i Elisa. Izany dia midika fa nandao ny efitrano izay nisy an'i Elisa izy. DH: "Rehefa nandao ny efitrano Gehazy, dia lasa boka izy"
Mihafotsy ny hoditra rehefa voan'ny habokana. Eto ny habokan'ny hoditr'i Gehazy dia ampitahaina amin'ny lokon'ny oram-panala"
1 Ireo zanaky ny mpaminany nilaza tamin'i Elisa hoe: "Ilay toerana izay hipetrahanay miaraka aminao dia tena kely loatra ho anay rehetra. 2 Avelao re izahay handeha ho any Jordana, ary avelao ny olona rehetra mba hanapaka hazo any, ary avelao izahay hanorina toerana hahafahanay mipetraka any." Namaly i Elisa hoe: "Afaka mandeha ianareo." 3 Ny iray tamin'izy ireo niteny hoe: "Mandehana re miaraka amin'ireo mpanomponao." Ary namaly Elisa hoe: "Handeha aho." 4 Koa nandeha niaraka tamin'izy ireo izy, ary rehefa tonga tany Jordana izy ireo, dia nanomboka nanapaka hazo. 5 Fa raha teo am-pikapana ny iray, dia nilatsaka tao anaty rano ny lela-pamaky; nihiaka mafy izy ary niteny hoe: "Loza, ry tompoko, nindramina iny!" 6 Ka hoy ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Taiza no nilatsahany?" Dia natoron'ilay olona an'i Elisa ilay toerana. Dia nanapaka tapa-kazo izy, ary nanipy izany tao anaty rano, ka nampitsingevana ny vy. 7 Hoy i Elisa hoe: "Alaivo io." Ka naninjitra ny tanany ilay olona ary naka izany. 8 Ary nanangan'ady tamin'Israely nyy mpanjakan'i Syria. Niresaka tamin'ny mpanompony izy, nanao hoe: "Any amin'ny toerana tahaka izao sy tahaka izao no hitobiako." 9 Ka ilay lehilahin'Andriamanitra izay nalefa tany amin'ny mpanjakan'Israely, niteny hoe: "Mitandrema tsy handalo amin'izany toerana izany, fa hidina any ireo Syriana." 10 Nandefa hafatra tany amin'ilay toerana izay voalaza sy nampitandreman'ilay lehilahin'Andriamanitra azy ny mpanjakan'Israely. Tsy indray mandeha na indroa fotsiny, rehefa nandeha tany ilay mpanjaka, dia mailo izy. 11 Tezitra mafy tamin' ireo fampitandremana ilay mpanjakan'i Syria, ka niantso ireo mpanompony izy ary nilaza tamin'izy ireo hoe: "Tsy hilaza amiko ve ianareo hoe iza eo aminareo no miandany amin'ny mpanjakan'Israely?" 12 Ka hoy ny iray tamin'ireo mpanompony hoe: "Tsia, ry mpanjaka, tompoko, fa i Elisa mpaminany ao Israely no milaza amin'ny mpanjakan'Israely ireo teny izay lazainao ao amin'ny efitrano fatorianao!" 13 Ary namaly ilay mpanjaka hoe: "Mandehana ary tadiavo ny misy an'i Elisa mba hahafahako mandefa olona hisambotra azy." Nolazaina taminy hoe: "Indro, any Dotana izy." 14 Ka nandefa soavaly maro, kalesy, ary tafika lehibe tany Dotana ny mpanjaka. Tamin'ny alina izy no tonga ary nanodidina ny tanàna. 15 Rehefa nifoha maraina ka nivoaka tany ivelany ny mpanompon'ilay lehilahin'Andriamanitra, dia indro, ny tafika lehibe mitaingi-tsoavaly sy kalesy nanodidina ny tanàna. Hoy ilay mpanompo taminy hoe: "O, ry tompoko! Inona no ho ataontsika?" 16 Elisa namaly hoe: "Aza matahotra, fa ireo izay miaraka amintsika dia mbola maro kokoa noho ireo izay miaraka amin'izy ireo." 17 Nivavaka i Elisa ary niteny hoe: "Ry Yaveh, mitalaho aminao ny mba hanokafanao ny masony mba hahita aho." Ary nosokafan'i Yaveh ny mason'ilay mpanompo, ka nahita izy. Indro, ny tendrombohitra dia feno soavaly sy kalesy afo nanodidina an'i Elisa! 18 Rehefa nidina teo aminy ireo Syriana, dia nivavaka tamin'i Yaveh i Elisa ary niteny hoe: "Mangataka aminao aho, ataovy jamba ireo olona ireo." Koa nohajambainy izy ireo, araka ny nangatahan'i Elisa. 19 Ary hoy i Elisa tamin'ireo Syriana hoe: "Tsy io no lalana, na ilay tanàna. Araho aho, fa ho entiko any amin'ilay olona izay tadiavinareo ianareo." Avy eo dia notarihany ho any Samaria izy ireo. 20 Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy i Elisa hoe: "Ry Yaveh, sokafy ny mason'ireo olona ireo mba hahafahan'izy ireo mahita." Dia nosokafan'i Yaveh ny mason'izy ireo ka nahita izy ireo, ary indro, teo afovoan'ny tanànan'i Samaria izy ireo. 21 Hoy ilay mpanjakan'Israely tamin'i Elisa, rehefa nahita azy ireo izy: "Ry raiko, tokony hovonoiko ve izy ireo? Tokony hovonoiko ve izy ireo?" 22 Elisa namaly hoe: "Aoka tsy hamono azy ireo ianao. Hovonoinao ve ireo izay nobaboanao tamin'ny sabatra sy ny tsipìka? Mametraha mofo sy rano eo anoloan'izy ireo, mba hihinana sy hisotro izy ireo, ary mandehana any amin'ny tompon'izy ireo." 23 Koa nanomana sakafo maro ho azy ireo ilay mpanjaka, ary rehefa nihinana sy nisotro izy ireo, dia nalefany, ka niverina tany amin'ny tompony. Tsy niverina tany amin'ny tanin'Israely nandritra ny fotoana ela ireo tariky ny miaramila Syriana. 24 Fotoana fohy taorian'izay dia namory ny tafiny i Beni-hadada ary nanafika an'i Samaria sy nanao fahirano azy. 25 Ka nisy mosary lehibe tany Samaria. Indro, nanao fahirano izy ireo mandra-pahalafo ho sekely volafotsy valopolo ny lohan'ampondra iray, ary ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely volafotsy dimy. 26 Raha nandalo teo amin'ny manda ny mpanjakan'Israely, dia nisy vehivavy nihiaka taminy, nilaza hoe: "Vonjeo, ry mpanjaka, tompoko." 27 Hoy izy: "Raha tsy manampy anao i Yaveh, ahoana no hahafahako manampy anao? Misy zavatra ve avy amin'ny famoloana sy ny famiazam-boaloboka?" 28 Dia nanohy ny mpanjaka hoe: "Inona no olanao?" Ka namaly izy hoe: "Hoy ity vehivavy ity tamiko: 'Omeo ny zanakao mba hihinanantsika azy anio, ary hihinana ny zanako isika rahampitso."' 29 Ka nampangotrahinay ny zanako ary nohaninay, ary nilaza taminy aho ny andro manaraka hoe: "Omeo ny zanakao mba hihinanantsika azy, kanefa efa nafeniny ny zanany." 30 Ary rehefa nandre ireo tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny akanjony izy (ary nandalo teo amin'ny manda izy), ka nijery ary nahita fa nanana atin'akanjo lamba fisaonana izy, teny an-kodiny. 31 Ary hoy izy hoe: "Aoka anie Andriamanitra hanao izany amiko, mihoatra noho izany aza, raha mitoetra ao aminy ny lohan'i Elisa zanak'i Safata anio." 32 Fa i Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ireo loholona niara-nipetraka taminy. Nandefa olona iray avy teo anoloany ny mpanjaka, nefa rehefa tonga tany amin'i Elisa ny mpitondra hafatra, dia hoy izy tamin'ireo loholona hoe: "Indro, ahoana ny fomba nandefasana ity zanaka mpamono olona ity olona hanapaka ny lohako? Indro, rehefa tonga ny mpitondra hafatra, dia hidio ny varavarana, ary hazony hihidy mba tsy hidirany ny varavarana. Moa ve tsy feon'ny tongotry ny tompony izany ao aoriany izany? 33 Raha mbola nanohy niresaka tamin'izy ireo izy, dia indro, nidina teo aminy ilay mpitondra hafatra. Hoy ny mpanjaka hoe: "Indro, avy amin'i Yaveh izao loza izao. Nahoana aho no tokony mbola hiandry an'i Yaveh ihany?"
Izany akory tsy midika hoe zanaka mpaminany izy ireo, fa kosa, anisan'ireo mpaminany izy ireo. Jereo ao amin'ny 2:3 ny fomba nandikanao izany. DH: "Vondron'olona mpaminany"
Ny toerana manamorona an'i Jordana no tiana ho lazaina amin'izany. DH: "Avelao re izahay handeha manamorona an'i Jordana"
Eto ny iray tamin'ireo mpaminany dia nilaza ireo zanaky ny mpaminany toy ny hoe mpanompon'i Elisa mba hanomezan'izy ireo voninahitra an'i Elisa.
Niaraka tamin'ireo mpaminany nikapa hazo Elisa.
Ny lela-pamaky dia ilazana ilay faritra maranitra amin'ny famaky. Izany dia midika fa niala tamin'ny tahony ilay lela-pamaky ary nilatsaka tany anaty rano. DH: "niala tamin'ny tahony ilay lela-pamaky ary latsaka tany anaty rano"
Niteny izany ilay lehilahy mba hanehoany ny hatezerany sy ny fahadisoam-panantenany. Raha manana fomba ilazana izany amin'ny fiteninao ianao dia azonao atao ny mampiasa izany.
Azo adika amin'ny endrika hafa izany.DH: "Nindramiko iny"
"Ary Elisa, ilay lehilahin'Andriamanitra, nanontany hoe"
Nampiasain'i Yaveh i Elisa mba hanao fahagagana. Nitsingevana teny ambony rano ilay lela-pamaky ary nijanona teo izany ka nalain'ny mpaminany.
" ka nahatonga ny vy hitsingevana"
"ny lela-pamaky." Vita amin'ny vy ny lela-pamaky.
"Ary rehefa niady tamin'Israely ilay mpanjakan'i Syria"
Nampiasaina ho mari-pihatoana ao amin'ny fizotry ny tantara izany. Eto ny mpanoratra dia manomboka ny fazarana vaovao ao amin'ny tantara.
Nolazain'ny mpanjakan'i Syria tamin'ireo mpanolotsainy ny toerana izay hametrahana ny toby. Eto ny hoe "tahaka izao sy tahaka izao" dia fomba iray ilazana ny andinindininy mikasika ny toerana misy ny toby amin'ny am-bangovangony fotsiny ihany. Raha tsy manana ny tena dikan'izany andian-teny izany amin'ny fiteninao ianao dia azo atao tahaka izao izany. DH: "ary nilaza tamin'izy ireo ny toerana tokony hametrahana ny toby"
"Elisa ilay lehilahin'Andriamanitra"
Nahafantatra tsara ny toerana hananganan'ireo Syriana ny tobin'izy ireo i Elisa ary nanoro hevitra ny mpanjakan'Israely ho an'ireo miaramilany mba tsy handalo amin'izany toerana izany.
Ilay toerana izay nampitandreman'i Elisa ny mpanjaka ao amin'ny 6:8 no tiana ho lazaina amin'izany.
Nampitandrina ny mpanjaka ny amin'izay toerana ho tafihan'ny Syriana i Elisa mba hahafahany mandefa fanairana ny vahoaka mialohan'ny hitrangan'ny fanafahina. DH: "Toy izany foana no nampitandreman'i Elisa ny mpanjakan'Israely ary afaka nandry fahalemana ireo Israelita"
Niheitra ny mpanjakan'i Syria fa misy mpamadika manome vaovao an'Israely ao amin'ireo miaramilany. Nametraka izany fanontaniana fampisainana izany izy mba hahafantarana izay mpamadika. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Lazao ahy hoe iza aminareo no momba ny mpanjakan'Israely!" na "Lazao ahy hoe iza taminareo no nanambara ny fikasantsika tamin'ny mpanjakan'Israely!"
Ny hoe "miandany amin'ny olona" dia midika hoe tsy mivadika amin'ny olona iray, izany hoe nanome vaovao izy ireo mba hanampiana ny mpanjakan'Israely. DH: "no manampy ny mpanjakan'Israely" na "tsy mivadika amin'ny mpanjakan'Israely"
Nilaza ilay mpanompo fa tsy nisy tamin'ireo miaramilan'ny mpanjaka no nanome vaovao ny mpanjakan'Israely. DH: "tsy misy aminay"
Izany dia ilazana ny mpanjakan'i Syria.
"izay lazainao miafina ao amin'ny efitranonao"
Nikasa ny haniraka lehilahy hisambotra an'i Elisa ho azy ny mpanjaka. Tsy nikasa ny andeha hisambotra azy mivantana ny mpanjaka. DH: "hahafahako maniraka olona hisambotra azy"
Eto izany teny izany dia ampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona ny amin'izay hitranga manaraka. DH: "Henoy"
"Any Dotana i Elisa"
Anaran-tanàna izany.
Ny mpanjakan'i Syria no tiana ho lazaina eto.
"Elisa" na "Elisa ilay lehilahin'Andriamanitra"
Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa tsy nampoizin'ilay mpanompo ny zavatra hitany.
"nivoaka maraim-be ary nivoaka tany ivelany ... dia hitany"
Niverina tao an-trano ilay mpanompo ary nolazainy tamin'i Elisa izay hitany. DH: "nierina tao an-trano ilay mpanompo ary izy tamin'i Elisa hoe"
"miaraka amin'ny olona" any an'ady dia midika hoe "miady ho an'ny andaniny misy azy." DH: "ireo izay miandany amintsika amin'ny ady no maro noho ireo izay miandany amin'izy ireo"
Nangataka i Elisa mba hahafahan'ny mpanompony mahita ireo zavatra izay tsy hitan'ireo olona hafa, dia ireo soavaly sy kalesy afo manodidina azy izany. DH: "ataovy hitany"
"ka afaka nahita izy. Ny hitany dia"
Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa tsy nanam-po ny zavatra hitany ilay mpanompo.
"rakotra soavaly ny tendrombohitra"
Ny tanàna izay nisy an'i Elisa no tiana ho lazaina amin'izany. DH: "nanodidina ny tanàna izay nisy an'i Elisa"
Ireo miaramila Syriana no tiana ho lazaina amin'izany.
"aoka ho lasa jamba ireo olona ireo!" Izany dia ilazana ny nanaovan'i Yaveh azy ireo tsy ahita.
Nanakorontana ireo Syriana i Elisa tamin'ny filazana azy ireo fa tsy teo amin'ilay tanàna izay notadiaviny izy ireo. DH: "Tsy io no lalana, ary tsy io ilay tanàna izay tadiavinareo"
"Ary nony"
Nangataka tamin'i Yaveh i Elisa mba hanao izay ampahita tsara indray ireo olona. DH: "aoka mba hahiratra ireo lehilahy ireo."
Namela ireo lehilahy hahiratra tsara indray Yaveh. DH: "Nanaisotra ny fahajamban'izy ireo Yaveh" na "Namela azy ireo hahita tsara i Yaveh"
Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa tsy nampoizin'ireo Syriana ny zavatra hitan'izy ireo.
"rehefa nahita ireo miaramila Syriana izy"
Niresaka tamin'i Elisa ilay mpanjaka ary niantso azy azy hoe "ray" mba ho fanajana azy.
Eto ny mpanjaka dia misolo tena ny tafiny. DH: "Tokony hibaiko ny tafiko mba hamono ireo miaramila fahavalo ve aho"
Namaly ny fanontanian'ny mpanjakan'Israely i Elisa.
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana i Elisa mba hanehoany fa tsy tokony hamono ireo lehilahy ireo ny mpanjaka. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Tsy tokony hamono ireo lehilahy izay nosamborina ho babo tany an'ady ianao" na "Tsy tokony hamono ireo lehilahy azo babo tany an'ady ianao"
Izany dia miresaka ireo miaramilan'ny mpanjaka izay nambabo ireo lehilahy toy ny hoe ny mpanjaka mivantana no nisambotra azy ireo. DH: "nobaboin'ireo miaramilanao tamin'ny sabatra sy ny tsipìka"
Fitaovam-piadiana ampiasaina amin'ny ady. DH: " tamin'ny sabatra sy ny tsipìka tany an'ady"
Eto ny hoe "mofo" dia ilazana ny sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "Omeo sakafo hohanina sy rano hosotrina izy ireo"
Ny mpanjakan'i Arama no lazaina amin'izany.
Nibaiko ireo mpanompony mba hakirakara sakafo ny mpanjaka. Fa tsy ny mpanjaka mivantana akory no nikarakara ny sakafo. DH: "Ary avy eo dia nibaiko ireo mpanompony mba hikarakara sakafo be ho azy ireo ny mpanjaka"
"ireo vondron'ny"
Midika izany fa tsy nanafika an'Israely nandritra ny fotoana ela izy ireo. DH: "nitsahatra tsy nanafika ny tanin'Israely nandritra ny fotoana ela"
Anaran'ny mpanjakan'i Syria izany. Ny anarany dia midika hoe "zanak'i Hadada"
Nanafika an'i Samaria ny mpanjaka sy ny tafiny. DH: "nanafika an'i Samaria izy ireo"
Eto ny teny hoe "indro" dia entina manaitra antsika mba hifantoka amin'ny vaovao tsy ampoizina manaraka.
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "ny vidin'ny lohan'ampondra iray dia sekely volafotsy valopolo"
"sekely volafotsy 80"
Azo atao ny mampiasa famarana fampiasa amin'ny vanim-potoana ankehitriny. DH: "ampahefatry ny litatra" na "fahefan'ny litatra"
"ampahefatry ny litatra"
Azo ampiana teny hafa izany. DH: "taim-boromailala ho an'ny" na "taim-boromailala atakalo"
"nandeha teo an-tendron'ny mandan'ny tanàna"
Izany anarana izany no niantsoan'ilay vehivavy ny mpanjaka mba ho mari-panajana azy.
"Ny mpanjakan'Israely namaly ilay vehivavy hoe:"
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany mpanjaka mba hilazany amin'ilay vehivavy fa tsy afaka manampy azy izy. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Raha tsy manampy anao i Yaveh, dia tsy afaka manampy anao aho."
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany ny mpanjaka mba hanasongadinany fa tsy misy sakafo vonona akory. Eto ny famoloana dia entina ilazana ny vary ary ny famiazam-boaloboka dia entina ilazana ny divay. DH: "Tsy misy na inona na inona na ny famoloana na ny famizam-boaloboka" na "Tsy misy hanina ho jinjaina na voaloboka hanaovana divay ho sotroina."
"Hoy ny mpanjaka hoe:" Midika izany fa mbola nanohy ny resany izy ireo.
"nandrahoinay"
"nandre ilay vehivavy nilaza izay nataony sy ilay vehivavy hafa"
Nandriatra ny akanjony ivelany ny mpanjaka mba hanehoany ny ny alahelony. DH: "nandriatra ny akanjony tamin'ny alahelo izy"
Nandeha teo amin'ny amin'ny mandan'ny tanàna izy raha niantso azy ilay vehivavy. DH: "Ary mbola nizotra nanaraka izany izy"
Na dia nanao atin'akanjo aza ny mpanjaka, dia mbola naneho ny halahelony sy ny hatezerany ihany izy. DH: "nanana atin'akanjo manolo-koditra izy tao anatin'ny akanjo ivelany" na "nanao atin'akanjo izy tao anatin'ny akanjony tohitena satria tezitra mafy izy"
Nanantena ny mpanjaka fa hanafay azy Andriamanitra, eny hamono azy aza raha toa ka tsy maty nohon'ny zavatra izay nitranga tao an-tanànan'i Samari i Elisa. DH: "Aoka anie Andriamanitra hanafay sy hamono ahy"
Ny fahafatesan'i Elisa no tiana lazaina amin'izany. DH: "Raha toa ka tsy maty anio i Elisa zanak'i Safata" na "Raha toa ka tsy mahafaty an'i Elisa zanak'i Safata anio ireo miaramilako"
Ny hoe "eo anoloan'ny mpanjaka" dia midika hoe "iray amin'ireo mpanompony." DH: "Nandefa ny iray amin'ireo mpanompony mba ho mpitondra hafatra ny mpanjaka"
Eto dia teo am-piresahana tamin'ireo loholona i Elisa no tonga ny mpitondra hafatry ny mpanjaka. DH: "Rehefa akaiky ho tonga ilay mpitondra hafatra, dia hoy i Elisa tamin'ireo loholony hoe:"
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Elisa mba hisarihany ny sain'ilay mpitondra ny hafatry ny mpanjaka sy mba hanaovany tsinontsinona ny mpanjaka. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Indro, nandefa olona mba hanapaka ny lohako ity zanaka mpamono olona ity"
Midika izany fa nanana endrika mpamono olona ny mpanjakan'Israely. DH: "ity lehilahy tahaka ny mpamono olona ity" na "ity mpamono olona ity"
DH: "nanirahana"
Izany dia midika hoe "hamono azy." DH: "hamono ahy"
Nampiasa izany teny izany i Elisa mba hisarihany ny sain'ireo loholona ny amin'izay ho lazainy manaraka. DH: "Henoy"
Matoa mihidy ny varavarana dia midika izany fa tsy azon'iza na iza idirana. DH: "tohano hihidy ny varavarana mba tsy hisy afaka miditra"
Nametraka izany fanontaniana izany i Elisa mba hanomezany antoka ireo loholona fa efa manatona azy akaiky ny mpanjaka. Azo atao fehezanteny tsotra izany fanontaniana fampisainana izany. DH: "Efa tena ato ahoriako ny feon'ny tongotry ny mpanompony." na "Tsy ho ela ahorian'ny hahatongavany dia ho tonga mpanjaka."
Ny teny hoe "indro" dia entina manaitra antsika ny amin'ny fahatongavan'ny mpitondra hafatra.
Tonga ilay mpitondra hafatra, ary tonga ihany koa ny mpanjaka. Ny andian-teny hoe "nidina teo aminy" dia midika fa tonga teo amin'ny toerana izay nisy azy izy ireo. DH: "tonga ny mpitondra hafatra sy ny mpanjaka"
Ny teny hoe "indro" eto dia fanehoana izay hitranga manaraka. Ny andian-teny hoe "izao loza izao" dia ilazana ny mosary tany Samaria sy fahoriana naterany.
Nametraka izany fanontaniana fampisainana izany ny mpanjaka mba hanasongadinany fa tsy mino an'i Yaveh hanampy azy ireo izy. Azo adika amin'ny endrika hafa na fehezanteny tsotra izany. DH: "Nahoana aho no tokony mbola hiandry an'i Yaveh hanampy anay?" na "Tsy hiandry ny fanampiana avy amin'i Yaveh intsony aho!"
1 Hoy Elisa hoe: "Henoy ny tenin'i Yaveh". Izao no voalazan'i Yaveh: 'Rahampitso amin'ny ora toy izao dia ho sekely iray ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana, ary ho sekely iray ny vary hordea roa famarana, eo am-bavahadin'i Samaria."' 2 Ary namaly ilay lehilahin'Andriamanitra ny lehiben'ny mpiambina iray izay nanankinan'ny mpanjaka ny tanany, ary nilaza hoe: "Indro, na dia hanao varavarankely eny amin'ny lanitra aza i Yaveh, hitranga ve izany zavatra izany?" Ary namaly Elisa hoe: "Indro, hahita ny fitrangan'izany ireo masonareo, kanefa tsy hihinana amin'izany ianareo." 3 Ary nisy efa-dahy boka teo ivelan'ny vavahadin'ny tanàna. Nifampiresaka izy ireo hoe: "Nahoana isika no tokony mijanona eto mandra-pahafatintsika? Raha hiteny isika hoe tokony hiditra ao amin'ny tanàna isika, kanefa misy mosary ao an-tanàna, dia ho faty any isika. 4 Nefa raha hijanona eto isika dia mbola ho faty ihany koa. Ka andao, andao isika ho any amin'ny tafikin'ireo Syriana. Raha tsy mamono antsika izy ireo, dia ho velona isika, fa raha mamono antsika izy ireo, dia ho faty isika. 5 Ka niainga izy ireo ny takariva mba hankany amin'ny tobin'ny Syriana; rehefa tonga teny amin'ny faritra ivelan'ny toby izy ireo, dia tsy nisy olona tao. 6 Fa efa nampandrenesin'ny Tompo ny feon'ireo kalesy, sy ny feon'ireo soavaly—ny feon'ireo tafika lehibe hafa, ny tafikin'ny Syriana, ary nifampiresaka izy ireo hoe: "Ny mpanjakan'Israely dia efa nanakarama ireo mpanjakan'ireo Hetita sy ireo Egyptiana mba ho avy hanohitra antsika. 7 Dia nanainga sy nandositra ireo miaramila ny takariva; navelan'izy ireo ny lainy, ireo soavaliny, ireo ampondrany, ary toy izany koa ny toby, ary nandositra ho an'ny ainy izy ireo. 8 Rehefa tonga teo amin'ny faritra ivelan'ny toby ireo lehilahy boka ireo, dia niditra tao anatin'ny lay iray izy ireo ka nihinana sy nisotro, ary naka volafotsy sy volamena ary akanjo, dia nandeha ka nanafina ireo. Niverina izy ireo ary niditra tao amin'ny lay hafa dia nandroba ny tao ihany koa izy ireo, ary nandeha ka nanafina izany. 9 Avy eo dia nifampiresaka izy ireo hoe: "Tsy manao ny marina isika. Andron'ny filazantsara izao andro izao, nefa mitazona fahanginana momba izany isika. Raha miandry mandra-pahazavan'ny andro isika, dia hisy famaizana hiatra amintsika. Ankehitriny ary, andao aoka isika handeha ary hilaza ny ankohonan'ny mpanjaka." 10 Nandeha izy ireo ka niantso ireo mpiambina vavahady tao an-tanàna. Hoy ireo tamin'izy ireo: "Nankany amin'ny tobin'ireo Syriana izahay, nefa tsy nisy olona tao, tsy nisy feon'olona, fa ireo soavaly sy ampondra mifatotra no ao, ary ireo lay izay nitoerany." 11 Dia nihiaka mafy ireo vaovao ny mpiambina vavahady, avy eo dia nolazaina tao amin'ny ankohonan'ny mpanjaka izany. 12 Ary nifoha ny mpanjaka ny alina ary nilaza tamin'ireo mpanompony hoe: "Ankehitriny dia ambarako anareo ny nataon'ireo Syriana tamintsika. Fantatr'izy ireo fa mosarena isika, ka niala ny toby izy ireo mba hiafina any an-tsaha. Hoy izy ireo: "Rehefa mivoaka ny tanàna izy ireo, dia ho ataontsika sambo-belona, ka hidirantsika ny tanàna."' 13 Namaly ny iray tamin'ireo mpanompon'ny mpanjaka sady niteny hoe: "Mitalaho aminao aho, avelao haka dimy amin'ireo soavaly tavela ireo lehilahy, dia izay tavela tao an-tanàna izany. Izy ireo dia tahaka ny ambin'ireo vahoakan'Israely rehetra izay tavela_fa efa maty ny ankamaroany ankehitriny; aoka isika handefa azy ireo ka hahita." 14 Ka naka kalesy roa niaraka tamin'ny soavaly izy ireo, ka nirahan'ny mpanjaka hanaraka ireo tafikin'ireo Syriana izy ireo, nilaza hoe: "Mandehana ary jereo." 15 Nandeha nanaraka azy ireo hatrany Jordana izy ireo, ka feno fitafiana sy fitaovana izay narian'i Syriana tamim-pikorompahana ny lalana rehetra. Dia niverina ny mpitondra hafatra ary nilaza tamin'ny mpanjaka. 16 Nandositra ireo vahoaka sady nandroba ny tobin'ireo Syriana. Ka namidy ho sekely iray ny koba tsara toto eran'ny famarana, ary vary hordea roa famarana dia sekely iray, araka ny efa voalazan'ny tenin'i Yaveh. 17 Nobaikon'ny mpanjaka ilay lehiben'ny mpiambina izay akaiky azy mba hiambina ny vavahady, ary voahitsakitsak'ireo vahoaka teo am-bavahady izy. Ary maty izy tahaka ny efa voalazan'ny lehilahin'Andriamanitra, izay niteny rehefa nidina teo aminy ny mpanjaka. 18 Ka niseho izany araka ny efa nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka hoe: "Amin'izao fotoana izao eo am-bavahadin'ny Samaria, dia azo vidina ho sekely iray ny vary hordea roa famarana, ary ny koba tsara toto iray famarana dia ho sekely iray." 19 Namaly an'ilay lehilahin'Andriamanitra izany lehiben'ny mpiambina izany sady nilaza hoe: "Indro, na dia hanao varavarankely eny an-danitra aza i Yaveh, hitranga ve izany zavatra izany? Efa nilaza i Elisa hoe: "Indro, hahita ny fitrangan'izany amin'ny masonareo ianareo, kanefa tsy hihinana amin'izany ianareo. 20 Toy izany tokoa no niseho taminy, satria voahitsakitsaky ny vahoaka teo am-bavahady izy, ary maty.
Midika izany fa tsy dia mandany vola amin'ireo zavatra ireo toy ny teo aloha ireo Israelita. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "hivarotra ny koba tsara toto eran'ny famarana ho sekely iray sy ny vary hordea indroan'ny famarana ho sekely iray ny vahoaka"
Ny famarana iray dia mitovy amin'ny mari-pandrefesana 7 litatra. DH: "koba tsara toto 7 litatra ... vary hordea 14 litatra"
Ny sekely iray dia mitovy amin'ny 11 grama eo ho eo. DH: "volafotsy 11 grama eo ho eo" na "volafotsy madinika iray"
Ny kapiteny lehibe izay mpanampy manokan'ny mpanjaka dia resahina toy ny hoe izy ny olona anankinan'ny mpanjaka ny tanany. DH: "ilay kapiteny akaikin'ny mpanjaka" na "ilay kapiteny izay mpanampin'ny mpanjaka manokana"
Ny fandatsahan'i Yaveh ranon'orana mivatravatra mba hampaniry ny vokatra dia resahina toy ny hoe manokatra varavarankely eny amin'ny lanitra i Yaveh ary avy amin'izany no ilatsahan'ny ranon'orana. DH: "na dia nampilatsaka ny oram-be avy eny amin'ny lanitra aza i Yaveh"
Nametraka izany fanontaniana izany ilay kapiteny mba hanehoany ny tsy finoany. Azo atao fehezanteny tsotra izany fanontaniana fampisainana izany. DH: "tsy hitranga mihitsy izany!"
Ny andian-teny hoe "ireo masonareo" dia manasongadina fa tena hahita ireo zavatra izay naminanian'i Elisa ilay kapiteny. DH: "ianao mihitsy no hahita ny fitrangan''ireo zavatra ireo"
"kanefa tsy hihinana amin'ny koba tsara toto na ny vary hordea ianao"
Eto izany teny izany dia nampiasaina ho mari-pihatoana ao amin'ny fizotry ny tantara. Eto ny mpanoratra dia manomboka fizarana vaovao ao amin'ny tantara.
Na dia nisy lehilahy efatra aza teo, dia mety ny lehilahy iray tamin'ireo ihany no nametraka izany fanontaniana izany. Izany fanontaniana fampisainana izany dia entina anehoana fa tsy tokony hijanona eo izy ireo. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Tsy tokony hijanona eto tokoa isika mandra-pafatitsika"
Nilaza ireo lehilahy boka efatra fa na ireo Syriana hanome sakafo azy ireo dia ho velona izy ireo, na mety hamono azy ireo, ary ny tena loza dia ho faty eny rehetra eny izy ireo.
Izany dia ilazana ny hariva aorian'ny filentehan'ny masoandro.
"morony"
Toy ny feona tafika be dia be manatona hiady amin'izy ireo no ren'ireo miaramilan'ny tafika Syriana. Tsy tena nisy akory izany tafika izany, fa nampandrenesin'ny Tompo azy ireo fotsiny ilay feo.
"nifampiresaka ireo miaramila Syriana hoe"
Eto ny teny hoe "mpanjaka" dia ilazana ny tafik'ireo firenena. DH: "ny tafik'ireo Hetita sy ireo Egyptiana"
"hiady amintsika" na "hanafika antsika"
Izao no nitranga taorian'ny nampandrenesan'ny Tompo an'ireo miaramilan'i Syria ilay feona tafika maro be manatona ny tobin'izy ireo.
Izany dia ilazana ny hariva aorian'ny filentehan'ny masoandro.
Eto dia ny "volafotsy sy ny volamena ary ny akanjo" no tena voakasik'izany.
"mandra-paharain'ny andro"
Toy ny hoe olona hisambotra azy ireo ny filazana ny famaizan'ny olona ireo efa-dahy. DH: "hanafay antsika ny olona" na "hisy olona hanafay antsika"
Eto ny teny hoe "ankohonana" dia manondro ny olona izay mipetraka ao amin'ny lapan'ny mpanjaka. DH: "hilaza ny mpanjaka sy ny olony"
DH: "izay nitoeran'ireo miaramila"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "nolazain'ny olona tamin'ny mpanjaka sy ireo izay tao an-dapany izany"
"nokasain'... hatao amintsika" na "nataon'... hamitahana antsika"
Midika izany fa hisambotra ireo olona izy ireo nefa tsy hamono azy ireo.
Maro tamin'ireo soavalin'ireo Israelita no maty nohon'ny mosary. Azo azavaina ny tena dikan'izany. DH: "ireo soavaly izay mbola velona tao an-tanàna"
Mitovy ny nanjo ireo Israelita sisa tavela izay nijanona tao an-tanàna ny nanjo ireo lehilahy izay nandeha nankany amin'ireo Syriana. Na izy ireo ho fatin'ny mosary, na mety ho vonoin'ireo Syriana.
Azo ampiana teny hafa izany mba hampazava kokoa ny heviny. DH: "ka hahita fa marina ny voalazan'ireo boka ireo"
Azo ampiana teny hafa izany mba hampazava kokoa ny dikany. DH: "Mandehana ary jereo raha marina ny voalazan'ireo boka ireo"
"Nanaraka ny lalana rehetra izay nandehanan'ireo Syriana hatrany amin'ny Reniranon'i Jordana izy ireo."
Midika izany fa hitan'ireo lehilahy niparitaka eraky ny lalana izay nandehanan'izy ireo izany zavatra izany. DH: "ny fitafiana sy fitaovana ... eraky ny lalana"
Izany no ilazana ny fangalarana ny zavatry ny tafika resy.
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Ka namidin'ny olona ho sekely iray ny koba tsara toto eran'ny famarana ary sekely iray ny vary hordea roa famarana"
Ny iray famarana dia mitovy amin'ny 7 litatra. DH: "koba tsara toto 7 litatra ... vary hordea 14 litatra"
Ny sekely iray dia mari-pandrefesana mitovy amin'ny 11 grama eo ho eo. DH: "volafotsy 11 grama eo ho eo" na "volafotsy madinika iray"
Eto ny hoe "teny" dia ilazana an'i Yaveh. DH: "araka ny ny voalazan'i Yaveh"
Ny kapiteny lehibe izay mpanampy manokan'ny mpanjaka dia tena akaikin'ny mpanjaka. DH: "ilay kapiteny akaikin'ny mpanjaka" na "ilay kapiteny izay mpanampy manokan'ny mpanjaka manokana"
Niara-nirohotra ireo vahoaka mba hahazo sakafo tao amin'ny toby ary natosik'izy ireo ilay lehilahy ka voatsakitsaka izy ary maty.
Amin'ity andininy ity ny mpanoratra dia mamintina izay niseho amin'ny famerenana ireo tranga voalaza ao amin'ny 7:1.
"Amin'ny fotoana rahampitso toy izao"
Ny iray famarana dia mitovy amin'ny 7 litatra. DH: "vary hordea 14 litatra ... koba tsara toto 7 litatra"
Ny sekely iray dia mari-pandrefesana mitovy amin'ny 11 grama eo ho eo. DH: "volafotsy 11 grama eo ho eo" na "volafotsy madinika iray"
"tokoa." Ny teny hoe "indro" eto dia fanasongadinana izay hiseho manaraka.
Ny fandatsahan'i Yaveh ranon'orana mivatravatra mba hampaniry ny vokatra dia resahina toy ny hoe manokatra varavarankely eny amin'ny lanitra i Yaveh ary avy amin'izany no ilatsahan'ny ranon'orana. Jereo ao amin'ny 7:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "na dia nampilatsaka ny oram-be avy eny amin'ny lanitra aza i Yaveh"
Nametraka izany fanontaniana izany ilay kapiteny mba hanehoany ny tsy finoany. Azo atao fehezanteny tsotra izany. Jereo ao amin'ny 7:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "tsy hitranga mihitsy izany!"
Ny andian-teny hoe "amin'ny masonareo" dia maneho fa hahita ireo zavatra izay naminanian'i Elisa tokoa ilay kapiteny. Jereo ao amin'ny 7:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "ianareo mihitsy no hahita ny fitrangan'ireo zavatra ireo"
"kanefa tsy hihinana amin'ny koba na vary hordea ianareo"
1 Ary Elisa niresaka tamin-dravehivavy renin'ilay zaza izay novelominy. Hoy izy taminy: "Mitsangàna, ary mandehana miaraka amin'ny ankohonanao, ka mitoera na aiza na aiza azonao hitoerana any an-tany hafa, satria Yaveh efa niantso mosary ho tonga eto amin'ity tany ity mandritra ny fito taona." 2 Ka dia nitsangana ravehivavy ary nankatò ny tenin'ilay lehilahin'Andriamanitra. Nandeha niaraka tamin'ireo ankohonany izy ary nipetraka tany amin'ny tanin'ny Filistina fito taona. 3 Ary ny faran'ny fito taona dia niverina avy tao amin'ny tanin'ny Filistina ravehivavy, dia nankany amin'ny mpanjaka izy mba hiangavy ny amin'ny tranony sy ny amin'ny taniny. 4 Ary ny mpanjaka niresaka tamin'i Gehazy mpanompon'ilay lehilahin'Andriamanitra, nanao hoe: "Mba lazao ahy re ireo zavatra lehibe rehetra izay nataon'i Elisa." 5 Ka raha niteny tamin'ny mpanjaka ny fomba nameloman'i Elisa ilay zaza izay efa maty izy, dia tonga ilay vehivavy renin'ilay zaza novelominy mba hiangavy ny mpanjaka ny amin'ny tranony sy ny taniny. Hoy i Gehazy: "Ry mpanjaka, tompoko, ity ilay vehivavy, ary ity ny zanany lahy, izay novelomin'i Elisa." 6 Rehefa nanontany an-dravehivavy momba ny zanany ny mpanjaka, dia nazavainy taminy izany. Ka nandidy manam-pahefana iray ho azy ny mpanjaka, nanao hoe: "Avereno aminy izay rehetra azy ary ny vokatry ny sahany rehetra hatramin'ny andro izay nandaozany ny tany ka hatramin'izao." 7 Nankany Damaskosy tany amin'izay nahararian'i Beni-hadada mpanjakan'i Syria i Elisa. Nolazaina ny mpanjaka hoe: "Tonga eto ilay lehilahin'Andriamanitra." 8 Hoy ny mpanjaka tamin'i Hazaela: "Mitondrà fanomezana eny an-tananao ary mandehana mitsena ilay lehilahin'Andriamanitra, ary manontania an'i Yaveh amin'ny alalany, manao hoe: "Ho sitrana amin'izao aretina izao ve aho?"' 9 Dia nandeha nitsena azy i Hazaela ary nitondra fanomezana tamin'izay zava-tsoa isan-karazany avy tao Damaskosy, nentina rameva efapolo. Dia tonga i Hazaela ary nijoro teo anoloan'i Elisa ka nanao hoe: "Ny zanakao lahy Beni-hadada mpanjakan'i Syria no naniraka ahy ho aty aminao, manao hoe: 'Ho sitrana amin'izao aretina izao ve aho?"' 10 Hoy i Elisa taminy: "Mandehana, lazao i Beni-hadada hoe: 'Ho sitrana tokoa ianao', nefa i Yaveh efa nampiseho ahy fa ho faty tokoa izy." 11 Dia nibanjina an'i Hazaela mandra-pahamenatra azy i Elisa, dia nitomany ilay lehilahin'Andriamanitra. 12 Nanontany i Hazaela hoe: "Nahoana ianao no mitomany, ry tompoko?" Namaly izy hoe: "Satria fantatro ny ratsy izay hataonao amin'ny vahoakan'Israely. Handoro ny fiarovana mafin'izy ireo ianao, ary hamono ny tovolahin'izy ireo amin'ny sabatra, handrasarasa ny zanaka madinik'izy ireo ianao, ary hanataka ny vehivavy bevohoka ao amin'izy ireo." 13 Hazaela namaly hoe: "Iza moa ity mpanomponao, no hanao izany zavatra lehibe izany izy? Amboa fotsiny ihany izy." Namaly i Elisa hoe: "Efa nasehon'i Yaveh ahy fa ho lasa mpanjakan'i Syria ianao." 14 Dia nandao an'i Elisa i Hazaela ary nankany amin'ny tompony, izay niteny taminy hoe: "Inona no nolazain'i Elisa taminao?" Namaly izy hoe: "Niteny tamiko izy fa ho sitrana tokoa ianao." 15 Ary ny ampitso dia naka bodofotsy i Hazaela ary nanatsoboka izany tao anaty rano, ary namelatra izany teo amin'ny tavan'i Beni-hadada mba ho faty izy. Dia lasa mpanjaka nandimby ny toerany i Hazaela. 16 Tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, mpanjakan'Israely, dia nanomboka nanjaka i Jehorama. Izy dia zanaka lahin'i Josafata mpanjakan'i Joda. 17 Jehorama dia roa amby telopolo taona no nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritra ny valo taona tao Jerosalema izy. 18 Nandeha tamin'ireo lalan'ny mpanjakan'Israely i Jehorama, tahaka izay nataon'ny ankohonan'i Ahaba; satria nanana ny zanaka vavin'i Ahaba ho vadiny izy, ka nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. 19 Na dia izany aza, nohon'ny amin'i Davida mpanompony, dia tsy te-handrava an'i Joda i Yaveh, satria niteny taminy Izy fa hanome azy taranaka mandrakariva. 20 Tamin'ny andron'i Jehorama, dia nikomy nanohitra ny tanan'i Joda i Edoma, ary nametraka mpanjaka ho an'ny tenany izy ireo. 21 Avy eo dia niampita niaraka tamin'ireo mpifehiny sy ireo kalesiny rehetra i Jehorama. Dia nitsangana izy ny alina ka nanafika ary namely ireo Edomita, izay nanodidina azy sy ireo mpifehy ireo kalesy. Dia nandositra tany an-tranon'izy ireo ny tafik'i Jehorama. 22 Ka nikomy nanohitra ny fitsipik'i Joda mandraka ankehitriny i Edoma. Nikomy ihany koa i Libna tamin'io fotoana io. 23 Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jerohama, izay rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ireo tantaran'ny mpanjakan'i Joda ve izany? 24 Maty ary nitsahatra niaraka tamin'ireo razany i Jehorama, ary nalevina niaraka tamin'ireo razany tao an-tanànan'i Davida. Dia i Ahazia zanany lahy no tonga mpanjaka nandimby toerany. 25 Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, mpanjakan'Israely, no nanomboka nanjaka i Ahazia, zanaka lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda. 26 Roa amby roapolo taona i Ahazia no nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny herin-taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Atalia; izy dia zanaka vavin'i Omry, mpanjakan'Israely. 27 Ary nandeha tamin'ireo lalan'ny ankohonan'i Ahaba i Ahazia; nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka izay nataon'ny ankohonan'i Ahaba, satria i Ahazia dia vinanto lahy tamin'ny taranak'i Ahaba. 28 Nandeha niaraka tamin'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba i Ahazia, mba hiady amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, ao Ramota-gileada. Nandratra an'i Jorama ireo Syriana. 29 Niverina i Jorama mpanjaka mba hotsaboina any Jezirela amin'ireo ratra izay nataon'ireo Syriana taminy tao Rama, rehefa niady tamin'i Hazaela mpanjaka izy. Ary i Ahazia zanaka lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda, nidina ho any Jezirela mba hijery an'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, satria naratra i Jorama.
Eto izany teny izany dia ampiasaina mba ho mari-pihatoana ao amin'ny fizotry ny tantara. Manomboka fizarana vaovao ny mpanoratra eto.
Hita ao amin'ny 4:8 ny tantaran'izany vehivavy izany sy ny zanany.
"namerenany indray ny ainy"
"Mitsangàna eo amin'ny toerana misy anao eo"
"Elisa, ilay lehilahin'Andriamanitra"
Ny mpanjaka an'Israely no tiana ho lazaina amin'izany.
Raha lasa nandeha ilay vehivavy, dia nogiazana ny tranony sy ny fananany. Niangavy azy ireo izy mba hamerina izany aminy. Azo azavaina ny tena hevitr'izany andian-teny izany. DH: "ny mba hamerenana aminy ny tranony sy ny fananany"
Eto izany teny izany dia ampiasaina mba ho mari-pihatoana ao amin'ny fizotry ny tantara. Ny mpanoratra eto dia mitantara amintsika ny andinindininy fototra mikasika izay nataon'ny mpanjaka rehefa tonga ravehivavy.
"namerenan'i Elisa indray ny ain'ilay zaza izay efa maty"
Raha lasa nandeha ilay vehivavy, dia nogiazana ny tranony sy ny fananany. Niangavy azy ireo izy mba hamerina izany aminy. Azo azavaina ny tena hevitr'izany andian-teny izany. DH: "ny mba hamerenana aminy ny tranony sy ny fananany"
Ny tantaran'ilay fahafatesan'ny zanany sy ny namerenan'i Elisa indray ny ainy no lazaina amin'izany. Azo azavaina ny dikan'izany andian-teny izany. DH: "momba izay nanjo ny zanany"
Izany dia sarinteny ilazana ny habetsaky ny vola sandan'ireo vokatry ny sahany raha mbola tsy teo an-toerana izy. DH: "ny tombony rehetra avy amin'ireo vokatry ny sahany"
Izany ny anaran'ny mpanjakan'i Syria. Ny anarany dia midika hoe "zanak'i Adada." Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 6:24 izany anaran-dehilahy izany.
Anaran-dehilahy izany.
Nitondra fanomezana maro be i Hazaela, fa tsy iray akory. DH: "Mitondrà fanomezana maro be"
Ny andian-teny hoe "eny an-tananao" dia fomba fiteny izay aminy dia midika hoe "mitondra fanomezana miaraka aminy". DH: "miaraka aminao"
"Elisa, ilay lehilahin'Andriamanitra"
"angataho i Elisa mba hanontany an'i Yaveh"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "rameva efapolo no nitondra izany"
"rameva 40"
Tsy tena zanak'i Elisa i Beni-hadada, fa izany no niantsoan'i Hazaela azy mba hanehoana fa mifandray akaiky izy ireo. DH: "Beni-hadada, ilay mpanjakan'i Syria, izay entinao toy ny zanakao"
"mandra-paha tsy nahazo aina an'i Hazaela"
Izany no niantsoan'i Hazaela an'i Elisa mba ho fanomezam-boninahitra azy.
Efa nasehon'Andriamanitra tamin'i Elisa izay hiseho amin'ny hoavy.
Ny teny hoe "ianao" dia manondro an'i Hazaela, ary manondro azy sy ireo miaramila izay eo ambany fifehezany amin'ny maha-mpanjaka azy. DH: "izay hampiarinao" na "handidianao ireo miaramilanao"
Ny teny hoe "ianao" dia manondro an'i Hazaela, kanefa eto izany dia manondro ireo miaramilany fa tsy manondro an'i Hazaela manokana akory. DH: "Handoro ... ianareo miaramila, ary hamono"
Midika izany fa ho vonoina any an'ady ireo lehilahy.Ny sabatra no tena fitaovam-piadiana fampiasa tany an'ady. DH: "hamono ireo tovolahin'izy ireo any an'ady.
"hamotipotika ireo ankizy madinik'izy ireo." Fanoritsoritana amin'ny fomba mahatsiravina ny famonoan'ireo miaramila ireo ankizy izany.
Izany dia midika hoe mandriatra ny kibon'izy ireo. DH: "handriatra ny kibon'ireo vehivavy bevohoka amin'ny sabatra
Eto Hazaela dia nilaza ny tenany ho mpanompon'i Elisa. Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Hazaela mba hanehoany fa tsy hanao ny zavatra mahatsiravina izay nolazain'i Elisa izy. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Tsy hahavita hanao izany zavatra lehibe izany mihitsy aho!" na "Iza moa aho, no hanana fahefana hanao izany zavatra izany?"
"izany zavatra mahatsiravina izany." Eto ny teny hoe "lehibe" dia ilazana ny zavatra izay mitera-doza sy mahatsiravina.
Ny tenany ihany no lazain'i Hazaela amin'izany. Miresaka ny maha-mpanompo ambany saranga azy sy ny tsy fahampian'ny maha izy azy amin'ny fampitahana azy amin'ny amboa izy. Eto ny amboa dia ilazana ny biby ambany saranga. DH: "Tsy manan-kery tahaka ny amboa aho" (UDB) na "Tsy manan-kery tahaka ny biby ambany saranga aho"
Ny teny hoe "tompony" dia manondro an'i Beni-hadada.
Midika izany fa sempotra tao ambanin'ilay bodofotsy i Beni-hadada. Azo azavaina ny tena hevitr'izany andian-teny izany. DH: "tavan'i Beni-hadada ary tsy afa-niaina tamin'izany izy, ka dia maty"
Tonga mpanjakan'i Joda i Jehorama.
Izany dia manoritsoritra ny fotoana izay nanombohan'i Jehorama nanjaka amin'ny filazana ny fe-potoana izay nanjakan'i Jorama, mpanjakan'i Joda tamin'izany fotoana izany. DH: "tamin'ny taona fahadimy izay naha-mpanjakan'Israely an'i Jorama zanak'i Ahaba"
"taona faha 5"
tonga mpanjakan'i Joda i Jehorama zanaka lahin'i Josafata
"32 taona"
Eto ny hoe "mandeha" dia fomba fiteny ilazana ny fomba niainany sy nanjakany amin'ny maha-mpanjaka azy. Tamin'ny fotoana nisehoan'ny tantara, dia nanao ratsy ireo mpanjakan'Israely tamin'izany fotoana izany. Azo azavaina ny tena hevitr'izany fehezanteny izany. DH: "Mpanjaka ratsy i Jehorama, izay toy ireo mpanjakan'Israely izay nanapaka teo alohany"
Eto ny hoe "ankohonan'i Ahaba" dia ilazana ireo fianakavian'i Ahaba sy ireo taranany. Rafozan-dahin'i Jehorama i Ahaba. DH: "tahaka nataon'ireo ambin'ny fianakavian'i Ahaba"
Nanambady ny zanaka vavin'i Ahaba mpanjaka i Jehorama.
Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana izay fihevitr'i Yaveh. DH: "nanao izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy" na "nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy izy"
Eto ny hoe "Joda" dia sarinteny ilazana ny olona izay monina ao. DH: "hamotika ny olon'i Joda"
"Satria niteny tamin'i Davida i Yaveh fa hanome an'i Davida taranaka mandrakariva." Izany dia ilazana ny fianianan'i Yaveh tamin'i Davida fa hanapaka an'i Joda mandrakariva ireo taranany. Azo azavaina ny tena hevitr'izany fehezanteny izany. DH: "satria nilaza tamin'i Davida izy fa hanapaka an'i Joda mandrakariva ireo taranany"
"nikomy tamin'i"
Eto ny teny hoe "tanana" dia ilazana ny fifehezan'i Joda, ary ny hoe "Joda" dia ilazana ny mpanjakan'i Joda. DH: "ny fifehezan'ny mpanjakan'i Joda"
"nanendry mpanjaka hanapaka azy ireo izy ireo"
Ny hoe "niampita" dia azo azavaina. DH: "Ary avy eo dia niampita ny filaharan'ady ... i Jehorama"
"Ary ny alina, dia nitsangana izy"
Eto ny hoe "izy" dia manondro an'i Jehorama ary koa manondro azy sy ireo kapiteniny. DH: "nitsangana izy sy ireo kapiteniny"
Nodimandry i Jehorama mpanjakan'i Joda ary nandimby azy i Ahazia zanany lahy.
"Taorian'izay, dia tsy nofehezin'i Joda intsony i Edoma, ary mbola tahaka izany foana izany" (UDB)
Eto ny hoe "Joda" dia ilazana ny mpanjakan'i Joda. DH: "ny fitsipiky ny mpanjakan'i Joda" na "ny fahefan'ny mpanjakan'i Joda"
Tamin'ny fotoana nanoratana ny boky izany.
Nikomy tamin'ny mpanjakan'i Joda tahaka an'i Edoma ihany koa i Libna. DH: "Nandritra izany fotoana izany ihany, dia nikomy tamin'i mpanjakan'i Joda ihany koa i Libna"
Izany tanàna izany taloha dia anisan'ny tao anatin'ny faritanin'i Joda . Eto ny hoe "Libna" dia ilazana ny olona monina ao. DH: "ny olon'i Libna"
"Raha hamaky misimisy kokoa mahakasika ny tantaran'i Jehorama sy izay nataony"
Izany fanontaniana izany dia napetraka mba ho fampahafantarana na ho fampahatsiahivana ny mpamaky ny andinindininy mahakasika an'i Jehorama. DH: "ireo zavatra ireo dia voasoratra ... Joda." na "azonao vakiana ... Joda ny momba izany."
Eto ny hoe "nitsahatra" dia fomba mihaja ilazana ny olona nodimandry. Rehefa maty izy, dia nentina tany amin'ny toerana izay nisy ireo razambeny ny nofo mangatsiakany. DH: "Maty i Jehorama, nalevina niaraka tamin'ireo razambeny izy"
"Ary tonga mpanjaka i Ahazia, zanaka lahin'i Jehorama rehefa maty i Jehorama"
Lasa mpanjakan'i Joda i Ahazia.
Izany dia manoritsoritra ny fotoana nanombohan'i Ahazia nanjaka tao Joda amin'ny filazana ny fe-potoana nanjakan'i Jorama, ilay mpanjakan'Israely tamin'izany fotoana izany. DH: "Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo naha-mpanjakan'Israely an'i Jorama"
"taona faha 12"
"22 taona"
Atalia dia anaram-behivavy. Omry kosa dia anaran-dehilahy.
Eto ny hoe "mandeha" dia ilazana ny fomba fitondran-tenany sy ny fomba fiainany. DH: "Niaina tahaka ireo hafa"
Eto ny hoe "ankohonana" dia ilazana ny fianakaviany. DH: "ny fianakavian'i Ahaba"
Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana izay fihevitr'i Yaveh. DH: "nanao izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy" na "nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy izy"
Izany dia manazava ny fifandraisan'ny fianakavian'i Ahazia amin'i Ahaba. Nanambady ny zanaka vavin'i Ahaba ny rain'i Ahazia. Azo azavaina ny hevitr'izany. DH: "zanaka lahin'ny vinanto lahin'i Ahaba" na "zafikelin'i Ahaba mpanjaka"
Ireo anarana mpanjaka telo voatanisa ireo eto dia fibangoan-teny sady ilazana ireo tafika izay niaraka tamin'izy ireo ihany koa. GH: "Niaraka tamin'ny tafik'i Jorama mpanjakan'Israely ny tafik'i Ahazia mba hiady amin'ny tafik'i Hazaela mpanjakan'i Syria" (UDB)
"mba hositranina"
Eto ny hoe "Hazaela" dia ilazana azy sy ny tafiny. DH: "tamin'ny tafik'i Hazaela mpanjakan'i Syria"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "nandratra an'i Jorama ireo Syriana"
1 Niantso ny iray tamin'ireo zanaky ny mpaminany i Elisa mpaminany ka nanao taminy hoe: "Miankanjoa ho an'ny dia, ary raiso eo an-tananao ity tavoahangy kely misy diloilo ity ary mandehana any Ramota-gileada. 2 Rehefa tonga ianao, dia tadiavo i Jeho zanaka lahin'i Josafata zanak'i Nemsy, ka midira ary ampitsangano eo amin'ireo namany ary ento ao anaty efitra anatiny iray izy. 3 Ary alaivo ny tavoahangy misy diloilo ka araraho eo ambonin'ny lohany ary lazao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: "Efa nosorako ho mpanjaka eo amin'Israely ianao.'" Avy eo dia sokafy ny varavarana, ka mandosira; dia aza mitaredretra." 4 Ary nandeha tany Ramota-gileada, ilay tovolahy, mpaminany. 5 Nony tonga izy, indreo, nipetraka ny kapitenin'ny tafika. Ary hoy ilay mpaminany zatovo: "Nitondra hafatra ho anao aho, ry kapiteny." Jeho namaly hoe: "Ho an'iza aminay izany?" Ilay mpaminany zatovo namaly hoe: "Ho anao, ry kapiteny." 6 Ka nitsangana i Jeho ary niditra tany an-trano, ary nararak'ilay mpaminany zatovo teo ambonin'ny lohany ny diloilo ka hoy izy tamin'i Jeho: "Izao no lazain'Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely: 'Efa nanosotra anao ho mpanjaka teo amin'ny olon'i Yaveh, teo amin'Israely Aho. 7 Tsy maintsy vonoinao ny fianakavian'i Ahaba tomponao, mba hamaliako faty ny ràn'ireo mpaminany mpanompoko, sy ireo ràn'ireo mpanompon'i Yaveh rehetra, izay novonoin'ny tanan'i Jezebela. 8 Fa ho ringana ny fianakavian'i Ahaba manontolo, ary ho foanako eo amin'i Ahaba ny zanaka lahy rehetra, na andevo izany na olona afaka. 9 Ho ataoko tahaka ny ankohonan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata sy tahaka ny ankohonan'i Basa zanaka lahin'i Ahia ny ankohonan'i Ahaba. 10 Ireo amboa no hihinana an'i Jezebela ao Jezirela, ary tsy hisy olona handevina azy.'" Ary nosokafan'ilay mpaminany ny varavarana ka nandositra izy. 11 Ary Jeho nivoaka teo amin'ireo mpanompon'ny tompony, ary nisy iray nanao taminy hoe: "Mandeha tsara ve ny zava-drehetra? Nahoana no nankao aminao iny olona marary saina iny? Jeho namaly azy ireo hoe: "Fantatrareo iny olona iny ary fantatrareo izay zavatra lazainy." 12 Hoy izy ireo: "Lainga izany. Lazao anay." Jeho namaly hoe: "Toy izany sy izany no nolazainy tamiko, ary hoy koa izy hoe: "Izao no lazain'Yaveh: Efa nanosotra anao ho mpanjaka teo amin'Israely Aho.'" 13 Ary dia samy nanala faingana ny akanjony ivelany izy ireo ka nametraka izany teo ambanin'i Jeho teny amin'ny farany ambonin'ny tohatra. Notsofin'izy ireo ny trompetra ary hoy izy ireo hoe: "Mpanjaka i Jeho." 14 Izany no fomba nikomian'i Jeho zanaka lahin'i Josafata zanak'i Nimsy hanohitra an'i Jorama. Ary Jorama mpanjaka efa niaro an'i Ramota-gileada, izy sy ny Israely rehetra, noho i Hazaela mpanjakan'i Syria, 15 kanefa niverina tany Jezirela i Jorama mpanjaka mba ho sitrana amin'ireo ratra izay nataon'ireo Syriana azy, rehefa niady tamin'i Hazaela mpanjakan'i Asyria izy. Hoy i Jeho tamin'ireo mpanompon'i Jorama: "Raha izany ny hevitrareo, dia aza avela hisy olona hitsoaka ary hivoaka ny tanàna, mba hilazana izao vaovao izao any Jezirela." 16 Ka nitaingina kalesy nankany Jezirela i Jeho; satria naka aina tany i Jorama. Ary nandeha nidina mba hihaona amin'i Jorama i Ahazia mpanjakan'i Joda. 17 Nitsangana teo amin'ny tilikambon'i Jezirela ny mpitily, ary hitany nanatona avy lavitra ireo naman'i Jeho; hoy izy: "Mahatazana andian'olona manatona aho." Jorama nanao hoe: "Makà mpitaingin-tsoavaly iray, ary alefaso mba hitsena azy ireo izy; lazao izy mba hiteny hoe: 'Tonga mba hihavana ve ianareo?'" 18 Ka nalefa mba hitsena azy ilay mpitaingin-tsoavaly; ary hoy izy: "Izao no lazain'ny mpanjaka: 'Tonga mba hihavana ve ianareo?'" Ary hoy i Jeho: "Mpifaninona moa ianao sy ny fihavanana? Mihodina ary manaraha ahy." Ary nilaza tamin'ny mpanjaka ilay mpitily hoe: "Nihaona tamin'izy ireo ilay mpitondra hafatra, kanefa tsy niverina izy." 19 Ary nandefa mpitaingin-tsoavaly iray faharoa izy, izay nankeny amin'izy ireo ka nanao hoe: "Izao no lazain'ny mpanjaka: 'Tonga mba hihavana ve ianareo?'" Jeho namaly hoe: "Mpifaninona moa ianao sy ny fihavanana? Mivilia ary manaraha ahy." 20 Nitatitra indray ilay mpitily hoe: "Nihaona tamin'izy ireo izy, kanefa tsy niverina. Fa ny lalana izay nitondràna kalesy no lalana nandehan'i Jeho zanaka lahin'i Nismy; dia nirifatra mafy izy." 21 Ka hoy i Jorama: "Homany ny kalesiko." Ary nomanin'izy ireo ny kalesiny, ary samy nitaingina ny kalesiny avy, i Jorama mpanjakan'Israely sy i Ahazia mpanjakan'i Joda, mba hihaona amin'i Jeho. Hitan'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Nabota ilay Jezirelita izy. 22 Rehefa hitan'i Jorama i Jeho, dia hoy izy: "Tonga mba hihavana ve ianao, ry Jeho?" Izy namaly hoe: "Inona no fihavanana eo, raha mbola maro be koa ny fanompoan-tsampy amin'ny asa fivarotan-tena sy ny ody ratsin'i Jezebela reninao?" 23 Ary navilin'i Jorama ny kalesiny ka nandositra izy ary niteny tamin'i Ahazia hoe: "Misy fitaka, ry Ahazia." 24 Ary dia nenjanin'i Jeho tamin'ny heriny rehetra ny tsipìkany ka notifiriny ny teo anelanelan'ny sorok'i Jorama; nitsatoka teo amin'ny fony ny zana-tsipìka, ka nianjera avy teo amin'ny kalesy izy. 25 Ary hoy i Jeho tamin'i Bidkara kapiteniny: "Alaivo izy ary atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota ilay Jezirelita. Tsarovy tamin'ny izaho sy ianao niaraka nitondra kalesy nanaraka an'i Ahaba rainy, dia nametraka izany faminaniana izany hamelezana azy i Yaveh: 26 Yaveh nanambara hoe—'Nahita ny ràn'i Nabota sy ny ràn'ireo zanany lahy Aho omaly—ary hampanonitra anao izany eto amin'ity saha ity tokoa Aho—hoy i Yaveh. Koa ankehitriny, alaivo izy ary atsipazo eo amin'io saha io, araka ny tenin'i Yaveh." 27 Rehefa nahita izany i Ahazia mpanjakan'i Joda, dia nandositra niakatra tany amin'ny lalana mankany Beta Hagana izy. Fa i Jeho nanaraka azy, ary nanao hoe: "Vonoy eo amin'ny kalesy ihany koa izy," ary notifirin'izy ireo teo amin'ny fiakarana ho any Gora, izay eo akaikin'i Jibleama izy. Nandositra tany Megido i Ahazia ka dia maty tany. 28 Nentin'ireo mpanompony tamin'ny kalesy nankany Jerosalema ny fatiny ary naleviny tao amin'ny fasany niaraka tamin'ireo razambeny tao an-tanànan'i Davida izy. 29 Ary tamin'ny fahairaika ambin'ny folo taona nanjakan'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba no nanomboka nanjaka teo amin'i Joda i Ahazia. 30 Rehefa tonga tao Jezirela i Jeho, dia ren'i Jezebela izany, ary nandoko ny masony, sy nibango ny volony, ary nitazana teo am-baravarankely izy. 31 Raha niditra ny vavahady i Jeho, dia hoy izy taminy hoe: "Tonga mba hihavana ve ianao, ry Zimry, mpamono ny tomponao?" 32 Niandrandra teny am-baravarankely i Jeho ary hoy izy: "Iza no miandany amiko? Iza?" Avy eo dia nisy tandapa roa na telo nitazana. 33 Ka dia hoy i Jeho: "Alatsaho izy." Ka nalatsak'izy ireo i Jezebela, ary ny sasany tamin'ny ràny nipitipitika teny amin'ny rindrina sy ireo soavaly, ka nosihosen'i Jeho tamin'ny tongony izy. 34 Rehefa niditra tao amin'ny lapa i Jeho, dia nihinana sy nisotro izy. Ary hoy izy: "Jereo amin'izay ilay vehivavy voahozona ary aleveno izy, fa zanaka vavin'ny mpanjaka izy." 35 Nandeha nandevina azy izy ireo, kanefa tsy nahita afa-tsy karandoha, sy tongotra, ary ny felatanany izy ireo. 36 Ka niverina izy ireo ary niteny tamin'i Jeho. Hoy izy: "Izao ny tenin'i Yaveh izay noteneniny tamin'ny alalan'i Elia ilay Tisibita mpanompony, manao hoe: 'Ao amin'ny tany ao Jezirela no hihinanan'ireo amboa ny nofon'i Jezebela, 37 ary ny fatin'i Jezebela dia ho tahaka ny zezika eo amin'ny velaran'ny saha eo amin'ny tany ao Jezirela, mba tsy hisy olona afaka hiteny hoe: "Jezebela io.""'
Izany akory tsy midika hoe zanaka mpaminany izy ireo, fa kosa, anisan'ireo mpaminany izy ireo. Jereo ao amin'ny 2:3 ny fomba nandikanao izany. DH: "Vondron'olona mpaminany"
Ny andian-teny hoe "eo an-tananao" dia fomba fiteny izay midika hoe "mitondra ny tavoahangy miaraka aminy" aminy. DH: "miaraka aminao"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 8:28 izany anarana izany.
Izany dia midika fa i Josafata no rain'i Jeho ary Nimsy no rain'i Josafata.
Ireo olona ireo no niarahan'i Jeho nipetraka.
"miaraha aminy"
"efitra voatokana"
Nampiasa izany teny izany ny mpanoratra mba hisarihany ny sain'ny olona ny amin'izay hitranga manaraka. Raha manana fomba hafa hilazana izany teny izany amin'ny fiteninao ianao, dia azonao atao ny mampiasa izany.
Nipetraka teo amin'ireo kapiteny i Jeho. Raha ilaina dia azonao atao ny mampiditra an'i Jeho ao amin'ny fizotry ny tantara amin'ny fomba fiteninao. DH: "niara-nipetraka i Jeho sy ny sasany tamin'ireo mpitari-tafika hafa"
Ny teny hoe "aminay" dia manondro an'i Jeho sy ireo mpitari-tafika hafa"
Mbola nanohy ny resany tamin'i Jeho ilay tovolahy mpaminany izay notendreny ho mpanjakan'Israely.
Eto ny fahafatesan'ireo mpanompon'ny mpaminany dia lazaina hoe "rà." DH: "hamaliako faty ny fahafatesan'ireo mpaminany mpanompoko sy ireo mpanompon'i Yaveh rehetra" na "hamaizako azy ireo ny amin'ny namonoana ireo mpaminany mpanompoko sy ireo mpanompon'i Yaveh rehetra"
Azo ampiana hoe "mamaly faty" izany. DH: "sy hamaliako faty ny rà"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "izay nandidian'i Jezebela ireo mpanompony mba ho vonoina"
Izany dia midika fa nandidy ny hamonoana ny vahoaka i Jezebela. DH: "avy amin'ny baikon'i Jezebela" na "tamin'ny alalan'ny baikon'i Jezebela"
Eto ny hoe "foanana" (ho foanako) dia midika hoe ho vonoina. DH: "Fa ho ringana ny fianakavian'i Ahaba manontolo, ary ho vonoina ny zaza lahy rehetra ao amin'ny fianakaviany" na "Ho faty ny fianakavian'i Ahaba rehetra, anisan'izany ny zaza lahy rehetra"
Izany andian-teny izany na nampiasaina mba hilazana ny lahy rehetra, nefa eto izany dia amafisina amin'ny hoe "zaza" mba hanehoana fa anisan'izany ny zaza. DH: "ny lahy rehetra"
Mbola nanohy niresaka ireo tenin'i Yaveh tamin'i Jeho ilay tovolahy mpaminany izay notendren'i Jeho ho mpanjakan'Israely.
Izany dia midika fa handrava an'i Ahaba sy ny fianakaviany tahaka ny nandravany an'i Jeroboama sy Basa ary ireo fianakaviany Andriamanitra. DH: "Ho fongoriko tahaka ... ny ankohonan'i Ahaba"
Ao anatin'ity andininy ity dia miverina intelo izany andian-teny izany. Ary samy ilazana ny fianakavian'ny olona voatonona aokoa izany. DH: "ny fianakaian'i"
Anaran-dehilahy ireo. Adikao araka ny fomba nandikanao azy ao amin'ny 3:1 ny anarana hoe "Nebata"
Izany dia midika fa hohanin'ny amboa ny fatin'i Jezebela.
Izany dia ilazana ireo manampahefana izay nanompo an'i Ahaba mpanjaka.
"olona adala"
Nilaza i Jeho fa mbola tanora ilay mpaminany ary efa mahazatra azy rehetra ny fomba firesaky ny mpaminany tanora amin'ny ankapobeny. DH: "Fantatrareo ny karazan-javatra lazain'ny mpaminany tanora tahaka azy" (UDB)
"Lazao anay izay noteneniny"
"Niresaka zavatra maromaro izy"
Ny famelarana ny akanjo eo amin'ny tany dia fomba fanomezam-boninahitra ny mpanjaka, ary noho izany dia tsy hikasika ny tany maloto ny tongotry ny mpanjaka. DH: "nanala faingana ny akanjony ivelany izy ireo ka nametraka izany teo anoloan'ny mpanjaka mba handehanany."
Tsy ny olona rehetra akory no nitsoka ny trompetra. Fa mety ho olona iray ihany no nitsoka izany. DH: "Notsofin'ny iray tamin'izy ireo ny trompetra ary hoy izy rehetra hoe"
Adikao tahaka ny andikanao azy ao amin'ny 9:1 izany anarana izany.
Ny teny hoe "Ary" eto dia nampiasaina mba ho mari-pihatoana ao amin'ny fizotry ny tantara. Eto ny mpitantara dia milaza ny andinindininy fototra mikasika ny fomba nampaharatra an'i Jorama sy ny nandehanany tany amin'i Jezirela mba ho sitranina.
Izany dia ilazana ireo tafika Israelita fotsiny ihany fa tsy ireo vahoaka izay mipetraka ao Israely akory. DH: "izy sy ny tafiny" na "izy sy ny tafika Israelita"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "mba hitsaboina azy"
Izany dia midika fa naratra izy tamin'ny nifanandrina tamin'ireo Syriana. DH: "ratra izay nahazo an'i Jorama nandritra ny fifanandrinana tamin'ny tafika Syriana"
Izany dia ilazana an'i Hazaela sy ny tafiny. DH: "tamin'i Hazaela mpanjakan'i Syria sy ny tafiny"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 8:7 izany anaran-dehilahy izany.
Izany dia ilazana ireo manampahefana izay niaraka tamin'i Jorama tao Ramota-gileada.
"raha mifanaraka amiko ianao," nampiasa izany andian-teny i Jeho mba hilazany raha manohana azy amin'ny mahampanjaka azy sy ny fanapahan-keviny ny vahoaka. DH: "Raha tena izaho marina no tianareo ho mpanjakanareo"
Izany dia ilazana fa ho tenenina amin'i Jorama sy ny tafiny ny drafitr'i Jeho. DH: "mba hampitandremana an'i Jorama mpanjaka sy ny tafiny any Jezirela"
Ny teny hoe "Ary" eto dia nampiasaina mba ho mari-pihatoana ao amin'ny fizitry ny tantara. Eto ny mpitantara dia milaza ny andinindininy fototra mikasika ny famangian'i Ahazia an'i Jorama.
"mpiambina"
" raha mbola lavitra i Jeho sy ireo lehilahiny"
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Jeho mba hilazany amin'ilay mpitondra hafatra fa tsy mahakasika azy izany na tonga hiavana izy na tsia. DH: "Tsy mahakasika anao izany na tonga hiavana aza aho!" na "Tsy tokony ianao no hahafantatra raha tonga hiavana aho!"
Nilaza tamin'i Jorama mpanjaka ilay mpitsikilo fa tsy niverina nitondra ny valin'ilay fanontanian'ny mpanjaka ilay lehilahy izay nirahiny.
"Naniraka mpitondra hafatra iray faharoa nitaingin-tsoavaly i Jorama mpanjaka, izay noviaka mba hihaona amin'i Jeho sy ny tafiny"
"faha 2"
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Jeho mba hilazany amin'ilay mpitondra hafatra fa tsy mahakasika azy izany na tonga hiavana izy na tsia. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 9:17 izany fanontaniana izany. DH: "Tsy mahakasika anao izany na tonga hiavana aza aho!" na "Tsy tokony ianao no hahafantatra raha tonga hiavana aho!"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Satria nentin'ilay mpitondra kalesy tany amin'ny lalana izay nandehanan'i Jeho zanak'i Nimsy ny kalesy"
"samy nitaingina ny kalesiny ny tsirairay" (UDB)
"Rehefa nahatratra an'i Jeho izy ireo, dia tao ... izy"
Anaran-dehilahy izany.
Izany no ilazana ny olona avy ao Jezirela.
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Jeho mba hilazany fa tsy tonga hiavana izy ireo. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Tsy hisy fiavanana izany raha mbola mampihatra sy mampiroborobo fatratra ny fanompoan-tsampy amin'ny endrika fijangajangana sy ody ratsy i Jezebela reninao."
"namilvily ny kalesiny mba hahafahany mandositra"
"fisolokiana na fahadisoam-panantenana"
"tamin'ny heriny manontolo"
Maty voatsatoky ny zana-tsipìka i Jorama. DH: "Maty i Jorama ary nianjera avy teo amin'ny kalesiny"
Ananran-dehilahy izany.
"Alaivo ny fatiny ary atsipazo ... izany" na "Alaivo ny nofo mangatsiakany ary atsipazo ... izany" (UDB)
"Tadidio tamin'ny"
Midika izany fa nitondra kalesy nanaraka ny kalesin'i Ahaba izy ireo. DH: "nanaraka taorian'ny kalesin'i Ahaba rainy"
"nilaza izany faminaniana izany hamelezana an'i Ahaba i Yaveh
Eto ny teny hoe "rà" dia ilazana ny hoe "mamono." DH: "ny namonoana an'i Nabota sy ny namonoana an'ireo zanany aho omaly"
Izany dia midika fa hanafay an'i Ahaba Izy ny amin'ny ratsy izay efa nataony. DH: "Hanome izay mendrika anao Aho ny amin'ny ratsy izay efa nataonao"
"alaivo ny fatin'i Jorama ary atsipazo eo amin'io saha io izany, izay an'i Nabota"
Ity dia fitantarana izay nanjo an'i Ahazia, mpanjakan'i Joda, taorian'ny namonoan'i Jeho an'i Jorama.
"nahitra izay zava-nitranga tamin'i Jorama"
Anaran-toerana avokoa ireo.
Ny teny hoe "fiakarana" dia midika fa niakatra tamin'ny havoana izy ireo rehefa namakivaky ny lalana mankany Gora. DH: "ny lalana niakatra mankany Gora"
"razambeny"
Izany dia manoritsoritra ny fotoana izay nanombohan'i Jorama nanjaka ary milaza ny fe-potoana izay nanjakan'ny mpanjakan'i Joda tamin'izany fotoana izany. DH: "tamin'ny taona fahairaka ambin'ny folo izay nahapanjakan'Israely an'i Jorama zanak'i Ahaba"
"faha 11"
"nanisy manjamaso, nanamboatra tsara ny volony"
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Jezebela mba hiampangany an'i Jeho ny amin'ny tsy fahatongavany mba hiavana. DH: "Tena tsy tonga mba hiavana ianao, ry Zimry, mpamono ny tomponao!"
Eto dia nantsoin'i Jezebela hoe "Zimry" i Jeho mba hilazany fa mpamono olona Jeho. Novonoin'i Zimry kapitenin'ny tafik'Israely ny mpanjakan'Israely satria te-ho mpanjaka izy. DH: "tahaka ny namonoan'i Zimry ny tompony no namonoanao ny tomponao"
Anaran-dehilahy izany.
Ny hoe "miandany amin'ny olona" dia midika hoe momba ary manohana azy ireo. DH: "Iza no momba ahy"
Nilaza tamin'ireo ionoka i Jeho mba hanipy an'i Jezebela avy teo am-baravarankely.
Nalatsak'ireo ionoka avy teny amin'ny varavarankely ambony i Jezebela ary maty izy rehefa niakapoka tamin'ny tany.
Izany dia midika fa nitaingin-tsoavaly izy rehefa nanosihosy ny vatany.DH: "ary nosihosen'ny tongotry ny soavaly izay nitarika ny kalesin'i Jeho ny vatany"
Ny andian-teny hoe "jereo amin'izay" dia midika hoe "afantoy amin'ny zava-misy ny sainao." DH: "Ankehitriny, mandehana any amin'..."
Satria zanaka vavin'ny mpanjaka i Jezebela, dia tokony halevina araka ny tokony ho izy. DH: "satria zanaka vavin'ny mpanjaka izy ka noho izany dia tokony halevina araka ny tokony ho izy"
"tsy nahita ny vantany manontolo intsony izy ireo" Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "ny hany sisa hitan'izy ireo tavela tamin'ny vatany dia"
Ny faritra anatin'ny tanana.
Izany dia ilazana ny olona avy ao an-tanànan'i Tisba. Jereo ao amin'ny 1:3 ny fomba nandikanao izany.
Izany dia miresaka ny fiparitahan'ny fatin'i Jezebela teny amin'ny saha toy ny hoe zezika. Satria efa potipotika sy niparitaka ny fatiny ka tsy nisy azo noraofina sy nalevina izany. DH: "niparitaka tahaka ny zezika eny an-tsaha ny potipotiky ny fatin'i Jezebela, ka tsy nisy olona nahafantatra izany ka hiteny hoe"
Izany dia ilazana ny akora fampiasa amin'ny famokarana.
"mba tsy hisy olona hahafantatra ny fatiny" na "mba tsy hisy olona afaka ilaza fa i Jezebela izany"
1 Ary nanana taranaka fitopolo tany Samaria i Ahaba. Nanoratra taratasy i Jeho ka nandefa izany tany Samaria, ho an'ireo mpanapaka an'i Jezirela, tao anatin'izany ireo loholona sy ireo mpiambina ny taranak'i Ahaba, nilaza hoe: 2 "Eo aminareo ireo taranaky ny tomponareo, ary manana kalesy sy soavaly ary tanàna voaaro sy akanjo fiarovana ihany koa ianareo. Noho izany, raha vao tonga eo aminareo ity taratasy ity, 3 dia safidio izay tsara sy mendrika indrindra amin'ireo taranaky ny tomponareo ka apetraho ho eo amin'ny seza fiandrianan-drainy izy, ary miadia ho an'ny fianakavian'ny mpanjaka tomponao." 4 Fa nihorohoro izy ireo ka nifampilaza hoe: "Indro, mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo anatrehan'i Jeho. Koa ahoana moa no hahajanonantsika?" 5 Avy eo ilay lehilahy izay misahana ny lapa, sy ilay lehilahy nanapaka ny tanàna, sy ireo loholona ihany koa, ary ireo izay nitaiza ireo zaza, dia nandefa teny niverina tany amin'i Jeho, nilaza hoe: "Mpanomponao izahay. Hataonay izay rehetra handidianao anay, tsy hametraka olona ho mpanjaka izahay. Ataovy izay fantatrao fa mety eo imasonao." 6 Ary nanoratra taratasy fanindroany ho azy ireo i Jeho, nilaza hoe: "Raha miandany amiko ianareo, ary raha mihaino ny feoko ianareo, dia tsy maintsy tapahinareo ny lohan'ireo lehilahy taranaky ny tomponareo, ary mankanesa aty amiko aty Jezirela rahampitso amin'ny ora toy izao." Ankehitriny ireo taranaky ny mpanjaka, miisa fitopolo, dia niaraka tamin'ireo lehilahy manan-danja teo an-tanàna, izay nitaiza azy ireo. 7 Ka rehefa tonga teo amin'izy ireo ilay taratasy, dia nalainy ireo zanaka lahin'ny mpanjaka ka novonoiny, olona fitopolo, nataony tao anaty sobika ny lohan'izy ireo, ary nalefany tany amin'i Jeho tany Jezirela ireo. 8 Nisy mpitondra hafatra tonga teo amin'i Jeho, nilaza hoe: "Efa nitondra ny lohan'ireo zanaka lahin'ny mpanjaka izy ireo." Ka hoy izy: "Ataovy antontan-javatra roa ho eo amin'ny vavahady fidirana izy ireo mandra-maraina." 9 Ny maraina i Jeho dia nivoaka ka nitsangana, ary niteny tamin'ny vahoaka rehetra hoe: "Tsy manan-tsiny ianareo. Indro, nikomy tamin'ny tompoko aho ka namono azy, fa iza no namono ireto rehetra ireto? 10 Ankehitriny dia tokony ho tsapanareo tokoa fa tsy nisy tamin'ny tenin'i Yaveh, ny teny izay nolazainy mahakasika ny fianakavian'i Ahaba, hiraraka amin'ny tany, satria Yaveh no nanao araka izay nolazainy tamin'ny alalan'i Elia mpanompony." 11 Ka novonoin'i Jeho izay sisa tavela tamin'ny fianakavian'i Ahaba tany Jezirela, sy ireo lehilahy manan-danjany, ireo namany akaiky, ireo mpisorony, mandra-pahalany tamingana azy ireo. 12 Avy eo dia nitsangana i Jeho ka lasa; nankany Samaria izy. Ary raha vao tonga tao Bet-ekedan'ny mpiandry ondry izy, 13 dia nifanena tamin'ireo rahalahin'i Ahazia mpanjakan'i Joda. Hoy i Jeho tamin'izy ireo: "Iza ianareo?" Namaly izy ireo hoe: "Rahalahin'i Ahazia izahay, ary hidina mba hiarahaba ireo zanaky ny mpanjaka sy ireo zanak'i Jezebela Mpanjakavavy izahay." 14 Hoy i Jeho tamin'ireo lehilahiny: "Ataovy sambo-belona izy ireo." Ka nataon'izy ireo sambo-belona izy ireo ary novonoiny tany amin'ny lavaka famorian-dranon'i Bet-ekda, ireo roa amby efapolo lahy. Tsy nisy navelany ho velona izy ireo. 15 Rehefa niala teo i Jeho, dia nifanena tamin'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba ary nanatona azy. Niarahaba azy i Jeho ka nilaza taminy hoe: "Miaraka amiko ve ny fonao, tahaka ny foko izay miaraka amin'ny anao?" Namaly i Jonadaba hoe: "Izany tokoa." Hoy i Jeho: "Raha izany tokoa no izy, dia atolory ahy ny tananao." Ka natolotr'i Jonadaba azy ny tanany, ary nampiakarin'i Jeho niaraka taminy teo amin'ny kalesiny i Jonadaba. 16 Hoy i Jeho "Miaraha amiko ka jereo ny zotom-poko ho an'i Yaveh." Ka niara-nandeha taminy tao amin'ny kalesiny i Jonadaba. 17 Raha tonga tany Samaria izy, dia novonoin'i Jeho avokoa ny taranak'i Ahaba izay sisa tavela tany Samaria, mandra-pandringanany ny fianakavian'i Ahaba mpanjaka, araka izay efa nolazaina tamin'izy ireo tany aloha tamin'ny alalan'ny tenin'i Yaveh, izay nolazainy tamin'i Elia. 18 Ary nampivory ny olona rehetra niaraka i Jeho ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Ahaba dia nanompo an'i Bala kelikely ihany, fa i Jeho kosa hanompo azy fatratra. 19 Ankehitriny ary antsoy ho eto amiko avokoa ireo mpaminan'i Bala rehetra, sy ireo mpanompo azy rehetra, ary ireo mpisorony rehetra. Aoka tsy hisy tavela, satria manana fanatitra lehibe hatolotra ho an'i Bala aho. Izay rehetra tsy tonga dia tsy ho velona." Fa nataon'i Jeho izany mba ho famitahana, tamin'ny fikasany hamono ireo mpanompon'i Bala. 20 Hoy i Jeho: "Manokàna fotoana iray mba hanaovana fivoriana ho an'i Bala." Ka nambaran'izy ireo izany. 21 Ary naniraka manerana an'Israely rehetra sy ireo mpanompo an'i Bala rehetra i Jeho, mba tsy hisy olona tavela ka tsy tonga. Tonga tao amin'ny tempolin'i Bala izy ireo, ary feno na hatraiza na hatraiza. 22 Nilaza tamin'ilay lehilahy mpitahiry ny akanjon'ny mpisorona i Jeho hoe: "Mamoaha akanjo ho an'ireo mpisoron'i Bala rehetra." Ka namoaka akanjo ho azy ireo ilay lehilahy. 23 Ary lasa niaraka tamin'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba ho ao an-tranon'i Bala i Jeho, ary hoy izy tamin'ireo mpanompon'i Bala: "Zahao, ary ataovy azo antoka fa tsy hisy avy amin'ny mpanompon'i Yaveh ny iray aminareo eto, fa mpanompon'i Bala ihany." 24 Dia nandeha nanolotra sorona sy fanatitra dorana izy ireo. Ary nifidy lehilahy valopolo hitsangana eo ivelany i Jeho, ary hoy izy tamin'izy ireo: "Raha misy tafatsoaka amin'ireo lehilahy izay entiko eo an-tananareo, na iza na iza mamela izany olona izany handositra, dia ho esorina aminy ny ainy ho solon'ilay tafatsoaka." 25 Ary vantany vao vitan'i Jeho ny fanolorana ny fanatitra dorana, dia hoy izy tamin'ilay mpiambina sy ireo kapiteny: "Midira ka vonoy izy ireo. Aza avela hisy ho tafavoaka." 26 Ka novonoin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra ireo, ary ny mpiambina sy ireo kapiteny nanipy azy ireo tany ivelany ary niditra tao an'efitra anatin'ny tranon'i Bala. Notarihin'izy ireo nivoaka ny andry vato tao an-tranon'i Bala, ary nodoran'izy ireo izany. 27 Avy eo dia narodan'izy ireo ny andrin'i Bala, ka noravainy ny tranon'i Bala ary nataony trano fivoahana, ary mandraka ankehitriny izany. 28 Toy izany no nandravan'i Jeho ny fanompoana an'i Bala tany Israely. 29 Kanefa tsy nandao ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata i Jeho, izay nampanotàny ny Israely_izay fanompona ny ombilahy kely volamena tany Betela sy Dana. 30 Ka hoy i Yaveh tamin'i Jeho hoe: "Satria ianao nanao izay tsara tamin'ny fanatanterahana izay marina teo imasoko, ary nanao ny ankohonan'i Ahaba araka izay rehetra tato am-poko, ireo taranakao dia hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hatramin'ny taranaka fahefatra." 31 Fa tsy niraraha izay handeha amin'ny lalàn'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, tamin'ny fony manontolo i Jeho. Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama izy, izay nampanotàny ny Israely. 32 Tamin'ireo andro ireo i Yaveh no nanomboka nametra ny faritr'Israely, ary i Hazaela nandresy ireo Israelita teny amin'ny sisin-tanin'ny Israely, 33 hatrany Jordana no ho miantsinanana, ny tanin'i Gileada rehetra, ny Gadita, ary ny Robenita, sy ny Manasita, avy any Aroera, izay avy eo amin'ny lohasahan'i Arnona, hatrany Gileada ka hatrany Basana. 34 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jeho, sy izay rehetra nataony, sy ny fahefany rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ve izany? 35 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Jeho, ary nalevin'izy ireo tany Samaria izy. Ary i Joahaza zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby azy. 36 Valo amby roapolo taona ny fotoana nanjakan'i Jeho teo amin'Israely tany Samaria.
"taranaka 70"
Izany dia midika fa naniraka mpitondra hafatra iray i Jeho mba hizara ireo taratasy. DH: "Nanoratra taratasy i Jeho ary naniraka mpitondra hafatra mba hizara ireo ao Samaria"
"Hoy ny fivakian'ireo taratasy hoe: "... ny tomponareo"
Eto ny hoe "mipetraka eo amin'y seza fiandrianana" dia midika hoe "notendrena ho mpanjaka." DH: "ataovy ho mpanjaka eo amin'ny toeran-drainy izy"
"taranaky ny tomponao" Eto ilay lehilahy izay nosafidian'izy ireo ho mpanjaka dia lazaina toy hoe taranak'i Ahaba. DH: "mba hiaro ireo taranaky ny mpanomponao" na "mba hiaro azy"
"Ary natahotra mafy izy ireo"
"ireo mpanjaka roa, Jorama sy Ahazia"
Eto ny hoe "nahajanona" dia midika hoe "niharitra teo ambany olana. DH: "tsy nahavita niaritra nanohitra an'i Jeho" na "tsy nahatohitra an'i Jeho"
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana ireo taranaka mba hilazany fa hahatohitra an'i Jeho izy ireo. DH: "Tsy hahajoro eo anatrehany mihitsy izahay!" na "Tsy hahatohitra azy mihitsy izahay!"
"ny ben'ny tanànan'ny tanàna" (UDB). Eto ny hoe "manapaka amin'ny zavatra iray" dia midika hoe manana fahefana na andraikitra amin'ny zavatra iray. DH: "ilay lehilahy izay misahana ny tanàna"
Izany dia ilazana ireo olona izay nitaiza ny zanaky ny mpanjaka. DH: "ireo izay nitaiza ireo zanaky ny mpanjaka"
Eto ny hoe "imaso" dia ilazana izay fihevitr'i Jeho. DH: "Ataovy izay hitanao fa tsara" na "Ataovy izay heverinao fa mety indrindra"
laharana faha 2 ao amin'ny fanisana
Ny hoe "miandany amin'ny olona iray" dia midika hoe momba sy manohana azy. DH: "momba ahy"
"mihaino sy mankatò"
Eto ny hoe "feo" dia ilazana izay ambaran'i Jeho. DH: "izay lazaiko"
Izany dia midika fa hitondra ny lohan'ireo taranak'i Ahaba izy ireo ary hampiseho ireo amin'i Jeho. DH: "tsy maintsy tapahinareo ny lihan'ireo ... ary ento aty amiko ireo"
Izany dia ilazana famonoana azy ireo sy ny fanalana ny lohan'izy ireo. DH: "tsy maintsy vonoinareo ireo taranaky ny tomponareo ary tapaho ny lohan'izy ireo"
miisa 70 ... olona 70
Izany dia midika fa izy ireo no nanara-maso sy nanabe azy ireo. DH: "izay nanabe azy ireo" na "izay nanara-naso azy ireo"
Izany dia midika fa naniraka olona hanatitra ireo sobika tany amin'i Jeho izy ireo. DH: "ary nirahiny ny olona mba hitondra ireo tany amin'i Jeho"
"ireo taranak'i Ahaba" (UDB)
"Nivoaka teo am-bavahadin'ny tanàna Jeho ey nitsangana teo anatrehan'ny vahoaka"
Azo lazaina mazava ny antony tsy mampanan-tsiny azy ireo. Ireo mety ho dikany dia 1) DH: "Tsy manan-tsiny ny amin'izay nanjo an'i Jorama ianareo" na 2) izany dia midika fa tsy tompon'andraikitra ny amin'ny nahafatesan'ny fianakavian'i Jorama izy ireo. DH: "Tsy manan-tsiny ny amin'izay nanjo an'i Jorama sy ny fianakaviany ianareo" na "Tsy manan-tsiny amin'izao raharaha izao ianareo"
Nampiasa izany teny izany Jeho mba hisarihany ny sain'ny olona ny amin'izay hitranga manaraka. DH: "Henoy" na "Mianoa ny teniko"
Nametraka izany fanontaniana fampisainana izany Jeho mba hahatonga ny olona hisaintsaina lalina momba ny toe-draharaha. Azo atao fehezanteny tsotra izany. Ireo mety ho dikany dia 1) DH: "nefa ireo lehilahin'i Samaria no tompon'andraikitra tamin'ny famonoana ireo taranak'i Ahaba 70" na 2) DH: "nefa sitrapon'i Yaveh ny hahafatesan'ireo olona ireo"
"takatrareo" na "fantatrareo fa"
Izany dia miresaka ny zava-mitranga rehetra izay nolazain'i Yaeh fa hitranga toy ny hoe zavatra tsy mety maty ary miraraka amin'ny tany. DH: "tsy nisy tamin'ny tenin'i Yaveh ... ka nandamòka" na "ny tenin'i Yaveh rehetra ... dia hitranga"
Ny nampamonoan'i Yaveh ireo taranak'i Ahaba dia resahina toy ny hoe izy mivantana no namono azy ireo. DH: "Yaveh no nampindranga"
Tsy i Jeho mivantana akory no namono ireo vahoaka rehetra ireo, fa kosa izy no nandidy ny hamonoana azy ireo. DH: "Koa dia nandidy i Jeho ny mba hamonoana ireo rehetra"
"ireo rehetra mbola velona" na "ireo rehetra sisa tavela"
Izany dia midika fa novonoina avokoa izy ireo. DH: "mandra-pahavoavono azy rehetra" na "mandra-pahafatin'izy rehetra"
Izany dia anaran-toerana fanangonana ondry
"handeha izahay mba hamangy"
"ireo zanak'i Jorama mpanjaka"
Izany dia midika hoe samborina izy ireo fa tsy vonoina. DH: "Sambory izy ireo!" (UBD)
"Ka nosamboriny izy ireo"
"42 lahy"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "novoiny avokoa izy rehetra"
Anaran-dehilahy izany.
Eto ny hoe "fo" dia ilazana ny tsy fivadihan'ny olona. Rehefa ny tsy ny fivadihan'ny olona iray no miaraka amin'ny olona iray hafa, dia midika izany fa azo atokisana ilay olona. DH: "Tsy hivadika amiko tahaka ny tsy fivadihako aminao ve ianao? ... "Tsy hivadika aho.""
"Raha izany tokoa ary, dia apetraho amin'ny tanako ny tananao" Maro amin'ireo fombatany no mifandray tanana ny olona roa, dia midika izany fa mifanaiky izy ireo.
DH: "ka jereo ny fahazotom-poko"
"tena fianakaviana"
Azo adika amin'ny endrika hafa. DH: "mba hanatanteraka ny faminaniana izay nolazain'i Elia, izay nomen'i Yaveh azy"
"nampiantso"
"ny olon'i Samaria rehetra niaraka"
"hanompo azy fatratra mihoatra an'i Ahaba"
"Aza misy avela"
Izany dia midika fa ho vonoina izy ireo raha tsy tonga. DH: "Ho vonointsika izay rehetra tsy tonga"
Izany dia midika hoe manendry sy manomana fotoana iray ho an'ny zavatra iray. Amin'ity tranga iray ity dia nanomana fotoana hiangonana ho an'i Bala izy ireo. DH: "Manomàna fotoana"
Izany dia midika fa naniraka mpitondra hafatra mba hitondra izany hafatra izany manerana ny tany izy. DH: "Ary naniraka mpitondra hafatra ... i Jeho" na "Ary nandefa hafatra ... i Jeho"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "mba hahatonga ny mpanompon'i Bala rehetra ho tonga" na "mba ho tonga ny olona rehetra"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "nahafeno izany izy ireo"
Eto ny matoanteny "mitahiry" na mitahiry zavatra dia midika hoe mikarakara izany sy miambina izany. DH: "mpisahana ny akanjon'ny mpisorona" na "mpikarakara ny akanjon'ny mpisorona.
"ary hoy Jeho tamin'ireo olona izay tao an-tempoly mba hidera an'i Bala"
"fa ireo mpanompon'i Bala ihany no ao"
Eto ny hoe "eo an-tanana..." dia ilazana ny hoe "fifehezana." Satria miantsona manodidina ny tempoly izy ireo, noho izany dia izy ireo no mifehy ny zava-misy ary miankina amin'izy ireo no ahafahan'ny olona mandositra na tsia. DH: "ra misy tafatsoaka amin'ireo lehilahy izay nentiko ho fehezinareo" na "raha misy tafatsoaka amin'ireo lehilahy ao anatiny ireo"
"hovonoinay ny olona izay mamela azy mandositra"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. Izany no fomba mihaja ilazana ny olona novoina. DH: "ho esorinay ny ainy" na "ho vonoinay izy"
"ho takalon'ny ain'ilay olona" Eto dia ilay lehilahy ihany no tiana lazaina amin'ny hoe "aina," mba hanamafisana fa tsy maty izy. DH: "ho solon'ilay lehilahy"
Ilaina ny manambara eto fa nivoaka ny tempoly Jeho mialohan'ny niresahany tamin'ilay mpiambina. DH: "niverina nivoaka tany ivelan'ny tempolin'i Bala izy ary niteny tamin'ireo mpiambina sy ireo kapiteny hoe"
Nampiasa sabatra ireo lehilahy mba hamonoana ireo mpidera an'i Bala. DH: "tamin'ny sabatr'izy ireo" (UDB)
Izany dia midika fa natsipy tany ivelan'ny tempoly ireo fatin'olona. DH: "nanipy ireo fatin'olona tany ivelan'ny tempoly"
"nataony trano fivoahana iraisan'ny be sy ny maro" Ny trano fivoahana matetika dia fampiasa any amin'ny toby na trano lehibe fampiatranoana miaramila.
Izany dia midika fa mbola mijanona amin'ny endriny izany zavatra izany mandraka ankehitriny. DH: "ary hatramin'izao dia dia mbola tahaka izany foana izany"
Izany dia miresaka ny fanarahan'i Jeho ny fahotana izay nataon'i Jeroboama toy ny hoe toerana iray izay tsy nilaozan'i Jeho. DH: "tsy nitsahatra nanao ireo karazan'ota izay nataon'i Jeroboama zanak'i Nebata" (UDB)
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:1 izany anaran-dehilahy izany.
Eto ny hoe "Israely" dia ilazana ny olona izay nipetraka tao. DH: "nampanotàny ny vahoakan'Israely"
"tamin'ny fanaovana"
Ny maso dia midika hoe mahita, ary mahita dia midika hoe fomba fiheverana na fomba fitsarana. DH: "izay marina ny fitsaràko" na "izay noheveriko fa marina"
Eto ny hoe "ankohonana" dia ilazana ny hoe "fianakaviana." DH: "ny fianakavian'i Ahaba"
Eny ny hoe "fo/am-poko" dia ilazana ny hoe "faniriana/ faniriako." DH: "izay rehetra niriako nataonao" na "izay rehetra nokasaiko nataonao"
"ho mpanjaka"
"hatramin'ny taranaka faha 4." Tafiditra ao amin'izany ny zanany lahy, ny zafikeliny, ny zafiafiny, ary ny zafin-dohaliny.
Eto ny hoe "handeha" dia midika hoe "hiaina." DH: "Tsy nitandrina izay hiaina araka ny lalàn'i Yaveh ... i Jeho"
Eto ny hoe "fo" dia ilazana ny sitrapo sy faniriana olona iray. DH: "tamin'ny zavatra rehetra izay nataony" na "tamin'ny sitrapony rehetra"
Ny matoanteny "miala" na "miala amin'ny zavatra iray" dia midika hoe mitsahatra tsy manao izany intsony. DH: "Tsy nitsahatra tamin'ny fahotany tahaka ny fanaon'i Jeroboama i Jeho"
"nanomboka nanao izay hifehezan'Israely ny fari-tany mba ho kelikely kokoa"
"velaran-tany"
Eto ny hoe "Hazaela" dia manondro azy tenany sy ny tafiny. DH: "Hazaela sy ny tafiny nandresy" na "Hazaela mpanjakan'ny tafika Syriana"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 8:7 izany anarana mpanjaka izany.
"hatrany amin'ny tany atsinanan'i Jordana"
Anaran-toerana avokoa ireo.
"ny Renirano Arnona"
Azo atao fehezanteny tsotra izany fanontaniana fampisainana izany. Jereo ao amin'ny 1:17 ny fomba nandikana izany fehezanteny izany. DH: "voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany"
Izany dia midika fa maty i Jeho. Izany dia miresaka ny fandevenana azy any amin'ny toerana izay nandevenana ireo razambeny toy ny hoe nodimandry niaraka tamin'izy ireo izy. DH: "Maty i Jeho ary nalevin'izy ireo tany Samaria, izay tany ihany koa no nandevenana ireo razambeny."
Anaran-dehilahy izany.
"Nanjaka teo amin'Israely tany Samaria nandritra ny valo amby roapolo taona i Jeho"
"28 taona"
1 Nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ary namono ny zanaky ny mpanjaka rehetra. 2 Nefa i Joseba, zanaka vavin'i Jehorama Mpanjaka aryy anabavin'i Ahazia, dia naka an'i Joasy zanak'i Ahazia, ary nanafina azy lavitra teo amin'ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina, miaraka amin'ny mpitaiza azy; nataony tao amin'ny efitrano fatoriana izy ireo. 3 Nafenin'izy ireo an'i Atalia izy mba tsy hovonoina. Niaraka tamin'i Joseba izy, nafenina tao an-tranon'i Yaveh, nandritra ny enin-taona, raha mbola nanjaka teo amin'ny tany i Atalia. 4 Ary tamin'ny taona fahafito, dia nandefa hafatra sy nitondra ireo mpifehy ny Karita sy ny mpiambina an-jatony i Joiada, ary nitondra azy ireo ho azy, tao an-tempolin'i Yaveh. Dia nanao fanekena tamin'izy ireo izy, ka nasainy nanao voady tao an-tranon'i Yaveh izy ireo. Avy eo dia nasehony azy ireo ny zanaky ny mpanjaka. 5 Nibaiko azy ireo izy, nanao hoe: "Izao no tsy maintsy ataonareo. Ny telo aminareo izay tonga amin'ny andro Sabata dia hiambina ny tranon'ny mpanjaka, 6 ary ny telo ho ao amin'ny Vavahadin'ny Sora, ary ny telo ao am-bavahady ao ahorian'ny trano fiambenana." 7 Ireo vondrona roa hafa izay tsy manompo amin'ny andro Sabata, dia tsy maintsy miambina ny tranon'i Yaveh ho an'ny mpanjaka ianareo. 8 Tokony mihodidina ny mpanjaka ianareo, ary ny olona rehetra miaraka amin'ny fitaovam-piadiany eny an-tanany. Na iza na iza miditra eo an-daharanareo, dia aoka hovonoina izy. Tsy maintsy hanaraka ny mpanjaka ianareo rehefa mivoaka, sy rehefa miditra izy. 9 Ary ireo mpifehy an-jatony dia nankatò ny zavatra rehetra izay nandidian'i Joiada mpisorona. Samy naka ny olony ny tsirairay, ireo izay niditra mba hanompo tamin'ny Sabata, sy ireo izay hitsahatra hanompo tamin'ny Sabata; dia nandeha tany amin'i Joiada mpisorona izy ireo. 10 Ary nomen'i Joiada mpisorona ny mpifehy an-jatony ny lefona sy ny apinga izay an'i Davida Mpanjaka sy izay tao an-tranon'i Yaveh. 11 Ary nitsangana ireo mpiambina, ny olona tsirairay miaraka amin'ny fitaovam-piadiany eny an-tanany, teo ankavanan'ny tempoly hatrany ankavia, akaikin'ny alitara sy ny tempoly, miodidina ny mpanjaka. 12 Dia nentin'i Joiada nivoaka i Joasy zanaky ny mpanjaka, nametrahany satro-boninahitra, ary nomeny azy ny didy fanekena. Dia nataony mpanjaka sy nosoran'izy ireo izy. Nitehaka izy ireo ary niteny hoe: "Ho ela velona anie ny mpanjaka!" 13 Rehefa ren'i Atalia ny tabataban'ireo mpiambina sy ny olona, dia nankao amin'ny olona tao an-tranon'i Yaveh izy. 14 Nijery izy, ary indro, ny mpanjaka nitsangana teo akaikin'ny tsangam-bato, araka ny fanao, ary ireo kapiteny sy ireo mpitsoka trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka. Ary ny olona rehetra teo amin'ny tany dia nifaly sy nitsoka trompetra. Dia nandriatra ny akanjony i Atalia ka nihiaka mafy hoe: "Mpamadika! Mpamadika!" 15 Avy eo i Joiada mpisorona nandidy ireo mpifehy an-jatony izay teo amin'ny tafika, nanao hoe: "Avoay eo an-daharana izy. Na iza na iza manaraka azy, dia vonoy amin'ny sabatra izy." Fa ny mpisorona nilaza hoe: "Aza avela hovonoina ao an-tranon'i Yaveh izy." 16 Ka nisambotra azy izy ireo raha tonga teo amin'ilay toerana izay fidiran'ny soavaly ao an-kianjan'ny lapa izy, ary teo no namonoana azy. 17 Ary nanao fanekena teo amin'i Yaveh sy ny mpanjaka ary ny vahoaka i Joiada, ary teo amin'ny mpanjaka sy ny olona ihany ko, mba ho olon'i Yaveh izy ireo. 18 Ary ny olona rehetra teo amin'ny tany nankany amin'ny tranon'i Bala ka nanimba izany. Namotipotika ireo alitaran'i Bala sy ny sampiny vosokitra izy ireo, ary namono an'i Matana, ilay mpisoron'i Bala teo anoloan'ireo alitara izy ireo. Ary Joiada mpisorona nanendry ireo mpiambina hifehy ny tempolin'i Yaveh. 19 Nentin'i Joiada nanaraka azy ny mpifehy an-jatony, ireo Karita, ny mpiambina, ary ny olona rehetra teo amin'ny tany, ary niaraka nitondra ny mpanjaka nidina avy tany an-tranon'i Yaveh izy ireo, ka niditra tao an-tranon'ny mpanjaka, miditra amin'ny lalana eo am-bavahadin'ireo mpiambina. Naka ny toerany teo amin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka i Joasy. 20 Ary nifaly ny olona rehetra teo amin'ny tany, ka nilamina ny tanàna taorian'ny namonoana an'i Atalia tamin'ny sabatra tao an-tranon'ny mpanjaka. 21 Fito taona i Joasy no nanomboka nanjaka.
Anaran'olona avokoa ireo.
"fantatr' ... fa maty ny zanany"
Tsy i Atalia mivantana akory no namono ireo zaza. DH: "dia nandidy ireo mpanompony izy mba hamono ireo izay ao amin'ny fianakavian'ny mpanjaka mety ho lasa mpanjaka"
naka an'i Joasy faralahin'i Ahazia ary nanafina azy sy ny mpitaiza azy tao amin'ny efitrano fatoriana tao an-tempoly. Ka dia tsy voavono izy." (UDB)
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "niafina nandritra ny enin-taona tao an-tranon'i Yaveh i Joasy sy Joseba, raha i Atalia no nanapaka ny tany"
"fanjakana"
Ity dia mbola manohy mitantara izay zava-nitranga taorian'ny niafenan'i Joasy, zanak'i Ahazia mpanjaka tao an-tempoly rehefa novonoina avokoa ireo tarana'i Ahazia mpanjaka hafa.
"tamin'ny taona faha 7 nanjakan'i Atalia"
ilay mpisoronabe
Izany ny anarana fiantso ireo vondrona mpiambina natokana hiaro ny mpanjaka.
Joiada, ilay mpisoronabe dia nanana miaramila mpitatitra ao aminy ao an-tempoly. DH: "niaraka tamin'izy ireo mba hiaona aminy ao an-tempoly"
Nambaran'i Joiada tamin'izy ireo fa mbola velona i Joasy, zanak'i Ahazia mpanjaka.
Mbola nanohy nanome ireo fepetra an'ireo miaramila izay hiambina an'i Joasy mpanjaka i Joiada.
Niambina ny mpanjaka mba tsy ho azon-doza izy ireo. DH: "mba hiarovana an'i Joasy mpanjaka"
Izany dia ilazana ny filaharan'adin'ireo miaramila. DH: "Na iza na iza manandrana mandalo eo aminareo rehefa miaro an'i Joasy mpanjaka ianareo"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "tonga dia vonoy"
Izany dia midika fa na inona na inona ataon'ny mpanjaka dia tsy maintsy arahina izy. DH: "Tsy maintsy mijanona eo akain'ny mpanjaka ianareo amin'ny fotoana rehetra"
"Samy ... ny mpifehy tsirairay"
Izany dia ilazana ireo manampahefana manara-maso ny fiambenana ny mpanjaka sy ny lapa.
"izay natao tao an-tempoly"
Eto dia tsy fantatra mazava ny tena hevitry ny teny hoe "trano" na tempoly na lapa. Ny dikan-teny sasany mampitovy ny lapa sy ny tempoly. Izany dikan-teny izany dia manao hoe: "teo ankavanan'ny lapa hatrany ankavian'ny lapa, akaikin'ny alitara sy ny tempoly."
nentin'i Joiada, ilay mpisoronabe, nivoaka avy tao amin'ny efitranon'ny tempoly izay nitaizana azy sy nanafenana azy i Joasy zanak'i Ahazia mpanjaka.
"nampahafantariny azy ny bokin'ny lalàna"
"Nanandraraka menak'oliva teo ambony lohan'i Joasy ny mpisorona mba ho famantarana fa efa izy no mpanjaka. DH: "nandrarahany menak'oliva teo ambony lohan'i Joasy"
Ny fitehafana dia fanehoan'ny vahoaka ny hafaliany tamin'ny nanosorana ny mpanjaka vaovao.
Izany dia ilazana ny tabataba izay nataon'ireo miaramila rehetra.
"nanakao amin'ny toerana izay nivoarian'ny olona tao amin'ny tempoly izy"
Eto ny hoe "indro" dia maneho fa tsy nanampo ny hahita an'i Josay izy. DH: "Rehefa tonga izy, dia tsy nanampo ny hahita an'i Joasy mpanjaka teo am-pitsanganana izy"
"teo akaikin'ny iray tamin'ireo andrin'ny tempoly"
"izay toerana fitsanganan'ny mpanjaka"
ny olona izay mitsoka trompetra
Nandriatra ny akanjony izy mba hanehoany ny fahavinirany sy ny fahatezerany.
"Mpamadika ianareo! Namadika ahy ianareo!" (UDB)
Izany dia ilazana ireo manampahefana manara-maso ny fiambenana ny mpanjaka sy ny lapa. Jereo ao amin'ny 11:9 ny fomba nandikanao izany.
Izany dia ilazana ny filaharan'adin'ireo miaramila. Ny mety ho dikany dia "alaivo ho eo afovoan'ireo miaramila milahatra izy" (UDB) na "Ento izy ary aoka hisy miaramila milahatra eo anilany"
Toy izao ny fomba nandikan'ireo dikan-teny hafa izany "nisambotra azy ireo mpiambina ary nitondra azy tao an-dapa, izay toerana fidiran'ny soavaly mankao an-kianja."
"ary koa nanao fanekena teo amin'ny mpanjaka sy ny mponina"
Izany dia fanitarana hanehoana fa vondron'olona maro dia maro no nandrodana ny tempolin'i Bala. DH: "olona maro dia maron'ny tany"
"ny tempolin'i Bala"
Izany dia anarana lehilahy mpisorona.
Nalain'izy ireo teo amin'ny tempoly ho ao an-dapa i Joasy, ilay mpanjaka vaovao.
Izany dia ilazana ireo manampahefana manara-maso ny fiambenana ny mpanjaka sy ny lapa. Jereo ao amin'ny 11:9 ny fomba nandikanao izany.
Izany ny anarana fiantso ireo vondrona mpiambina natokana hiaro ny mpanjaka.
"nitondra ny mpanjaka avy teo amin'ny tempoly tankany an-dapa"
Fanaovana bango tokana fotsiny ihany ihany. Azo antoka fa nisy koa ireo tsy nifaly.
"tony ny tanàna" na "nandry ny tanàna"
"7 taona i Joasy"
1 Tamin'ny fahafito taona nanjakan'i Jeho, no nanomboka ny fanjakan'i Joasy; nanjaka nandritra ny efapolo taona tao Jerosalema izy. Zibia no anaran-dreniny, avy any Beri-sheba. 2 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh i Joasy tamin'ny fotoana rehetra, satria nampianatra azy i Joiada mpisorona. Kanefa ireo toerana avo tsy noravàna. 3 Mbola nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ireo toerana avo ihany ny vahoaka. 4 Hoy i Joasy tamin'ireo mpisorona hoe: "Ny vola rehetra izay nentina ho fanatitra masina tao an-tranon'i Yaveh, dia ny vola izay notombanan'ny olona tsirairay—na ny vola nangonina tamin'ny fanisam-bahoaka izany, na ny vola azo tamin'ny voady manokana, na ny vola nentin'ny olona tamin'ny fandrisihan'i Yaveh tao am-pon'izy ireo mba hanome— 5 dia tokony ho raisin'ireo mpisorona ny vola avy amin'ny iray amin'ireo haren'izy ireo ary hanamboarana izay fahavoazana hita tao an-tempoly." 6 Fa tamin'ny fahatelo amby roapolo taona nanjakan'i Joasy Mpanjaka, dia tsy nanamboatra na inona na inona tao an-tempoly ireo mpisorona. 7 Ary niantso an'i Joiada mpisorona sy ireo mpisorona hafa i Joasy mpanjaka; hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no tsy nanamboatra na inona na inona tao an-tempoly? Ankehitriny aza maka vola amin'ny mpandoa hetra intsony, fa raiso izay efa voaangona mba hanamboarana ny tempoly ary omeo an'ireo izay afaka manao ny fanamboarana izany." 8 Noho izany dia nanaiky tsy hitaky vola amin'ny vahoaka sy tsy hanamboatra ny tempoly intsony ireo mpisorona. 9 Fa kosa, naka vata iray Joiada mpisorona, nandoaka ny sarony, ary nametraka izany teo akaikin'ny alitara, teo ankavanan'ny fidirana ao amin'ny tranon'i Yaveh. Ireo mpisorona izay niandry ny fidirana ao an-tempoly dia nametraka ny vola rehetra izay nentina ho ao an-tranon'i Yaveh tao amin'izany. 10 Isaky ny hitan'izy ireo fa be vola tao anatin'ilay vata, dia tonga ny mpanora-dalàn'ny mpanjaka sy ny mpisoronabe ary nametraka ny vola tao anaty kitapo ary manisa izany avy eo, ilay vola hita tao an-tempolin'i Yaveh. 11 Natolotr'izy ireo teo an-tanan'ireo lehilahy izay nikarakara ny tempolin'i Yaveh ny vola izay voalanja. Nomen'izy ireo an'ireo mpandrafitra sy ireo mpanamboatra izay niasa tao an-tempolin'i Yaveh izany, 12 ary ho an'ireo mpanao trano sy ireo mpikapoka vato, mba hividianana hazo sy vato voakapa mba hanamboarana ny tempolin'i Yaveh, sy ho an'ny zavatra rehetra izay ilaina vidiana hanamboarana izany. 13 Fa ny vola nentina tao an-tranon'i Yaveh dia tsy nanomezana hividianana lovia volafotsy, antsy, koveta, trompetra, na fanaka volafotsy na volamena ho an'izany. 14 Nomen'izy ireo an'ireo izay nanao ny asa fanamboarana ilay tranon'i Yaveh izany vola izany. 15 Fanampin'izany, tsy nangataka ilay vola nomena hanaovana fanamboarana mba ho isain'ireo lehilahy izay nandray izany izy ireo ary nanome izany ho an'ireo mpiasa, satria marina ireo lehilahy ireo. 16 Fa ny vola ho an'ny fanatitra nohon'ny heloka sy ny fanatitra nohon'ny ota dia tsy nentina tao an-tempolin'i Yaveh, satria an'ireo mpisorona izany. 17 Ary nanafika sy niady tamin'i Gata i Hazaela mpanjakan'i Syria, ary nahazo izany. Avy eo dia nitodika hanafika an'i Jerosalema i Hazaela. 18 Nalain'i Joasy mpanjakan'i Joda ny zavatra rehetra izay natokan'i Josafata sy Jehorama ary Ahazia, ireo razambeny, ireo mpanjakan'i Joda, sy ireo volamena hita tao amin'ny efitra fitehirizana tao an-tranon'i Yaveh sy ny mpanjaka ary nandefa ireo tany amin'i Hazaela mpanjakan'i Syria. Dia lasa niala tao Jerosalema i Hazaela. 19 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Joasy, izay rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany? 20 Nitsangana ireo mpanompony ary niara-nanao tetika; notafihan'izy ireo tany Beti-milo i Joasy, any amin'ny lalana midina mankany Sila. 21 Notafihan'i Jozakara zanaka lahin'i Simata, sy Jozabada zanaka lahin'i Somera, mpanompony izy, ka maty. Nalevin'izy ireo niaraka tamin'ireo razambeny tao amin'ny tanànan'i Davida i Joasy, ary Amazia, zanany lahy, no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
"Nandritra ny taona faha 7 nanjakan'i Jeho teo amin'Israely"
"no nanomboka nanjaka teo amin'i Joda i Joady"
Izany dia anaram-behivavy.
"Zibia, avy any amin'ny tanànan'i Beri-sheba" (UDB)
Ny andian-teny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana an'i Yaveh manontolo. DH: "izay ankasitrahan'i Yaveh"
"nanabe azy"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Nefa tsy nandrava ireo toerana avo ny vahoaka"
Nandrara ny vahoaka tsy hanao fanompoam-piavavahana tamin'ireo toerana ireo i Yaveh. Azo azavaina izany. DH: "mbola nankany amin'ireo toerana izay tsy neken'i Yaveh ihany ny vahoaka, mba hanao sorona sy handoro ditin-kazo manitra"
Ny vola izay nomen'ny vahoaka mba hanohanana ny tempoly no tiana ambara amin'izany. Mizara telo izany vola izany ary voasoritsoritra ao amin'ny fehezanteny manaraka.
Ny vola izay nomen'ny vahoaka mamaimpoana an'i Yaveh no tiana ambara amin'izany.
"rehefa nanjaka nandritra ny telo amby roapolo taona i Joasy"
Nametraka izant fanontaniana izany i Joasy mba hibedesany ireo mpisorona. DH: "Tokony namboarinareo ny tempoly!"
"karamao ireo mpiasa izay hanamboatra izany"
"Raha toa ka ireo mpisorona no tokony hanagona ny vola"
"teo ankavanan'ny fidirana mankao amin'ny tempoly"
"nametraka tao am-bata" (UDB)
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "ny rehetra izay nentin'ny olona"
Betsaka amin'ireo dikan-teny no nandahatra izany araka ny filaharany tena izy, toy ny hoe "nanisa ny vola ary nametraka izany tao anaty kitapo."
Ireo mety ho dikany dia 1) "nametraka ny vola tao anaty kitapo" na "namatotra ny vola tao anaty kitapo" (UDB).
"ny vola izay hitan'izy ireo tao am-bata"
Eto ny hoe "tanana" dia ilazana ireo lehilahy. DH: "an'ireo lehilahy"
"voaisa"
"izay nanamboatra indray ny tempolin'i Yaveh"
Ireo olona izay manamboatra zavatra vita amin'ny hazo
Ireo olona izay mandrafitra amin'ny vato
Ireo olona izay mikapoka vato mba hahazoana vato tsara tefy
"mba handoavana ireo izay mila amboarina indray"
"tsy nolaniana hividianana"
Fitaovana fampiasan'ny mpisorona ho an'ny karazana raharaha ao an-tempoly avokoa ireo, ohatra amin'izany ny fisoronana sy ny firavoravoana.
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "tsy nangataka tamin'ireo lehilahy izay nandray ny vola izy ireo ary nanakarama ireo mpiasa ho an'ny fanamboarana mba hanisa ny vola"
ho raiketin'ireo lehilahy an-tsoratra ny sandam-bola niditra sy nivoaka
Midiaka izany fa tsy nampiasaina tamin'ny fanamboarana ny tempory izany. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "tsy nampiasa ireo vola avy tamin'ny fanatitra nohon'ny eloka sy ny fanatitra nohon'ny ota izy ireo mba handoavana ny fanamboarana ny tempolin'i Yaveh"
Hazaela sy ny tafiny no tiana ambara amin'izany. DH: "nanafika ... i Hazaela mpanjakan'i Syria ... nivily nanafika ... izy ireo"
Izany ny anaran'ny mpanjakan'ny firenenen'i Syria.
"nandresy ary nifehy izany"
Mpanjakan'i Joda teo aloha avokoa ireo lehilahy ireo.
"nofidian'i"
"ny volamena izay napetraka tao amin'ny efitra fitehirizana"
Naharesy lahatra an'i Hazaela tsy hanafika an'i Jerosalema ireo fanomezana nomen'i Joasy azy. Azo azavaina izany. DH: "Ka dia nahaton'i Hazaela ary lasa izy"
Nampiasaina izany fanontaniana izany mba ho fampatsiahivana ny mpamaky fa voarakitra an-tsoratra aokoa ireo zaatra ireo. Jereo ao amin'ny 8:22 ny fomba nandikanao izany fanontaniana izany. DH: "voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ireo."
Tsy fantatra mazava ny tena toerana misy izany tanàna izany.
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
"ao amin'ny toerana izay andevenana ireo razambeny" (UDB)
"lasa mpanjakan'i Joda manaraka"
1 Tamin'ny taona fahatelo amby roapolo naha-mpanjakan'i Joda an'i Joasy zanaka lahin'i Ahazia, no nanomboka nanjaka teo amin'Israely tany Samaria i Joahaza; fito ambin'ny folo taona izy no nanjaka. 2 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ary nanaraka ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata, izay nahatonga an'Israely hanota; ary tsy niala tamin'izany i Joahaz. 3 Nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'i Yaveh, ary nanolotra azy ireo teny an-tanan'i Hazaela mpanjakan'i Syria hatrany Izy ary teny an-tanan'i Beni-Hadada zanaka lahin'i Hazaela. 4 Ka dia niangavy an'i Yaveh i Joahaza, ary nihaino azy Izy satria hitany ny fampahoriana ny Israely, ny fomba nampahorian'ny mpanjakan'i Syria azy ireo. 5 Ka nomen'i Yaveh mpamonjy ny Israely, ary nitsoaka avy tamin'ny tanan'ireo Syriana izy ireo, ary ny zanak'Israely nanomboka nitoetra tany amin'ireo fonenany arak'izay nananan'izy ireo tany aloha. 6 Na izany aza anefa, dia tsy niala tamin'ireo fahotan'ny ankohonan'i Jeroboama izy ireo, izay nahatonga ny Israely hanota, ary nanohy izany izy ireo, ary ny baon'Aseraha nijanona tany Samaria. 7 Ka nandao an'i Joahaza ireo Syriana niaraka tamin'ny mpitaingin-tsoavaly dimampolo, kalesy folo, ary miaramila an-tongotra iray alina fotsiny, fa ny mpanjakan'i Syria efa nandrava azy ireo, ary nanao azy ireo toy ny akofa amin'ny fotoam-pikosoham-bary. 8 Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Joahaza, sy izay nataony rehetra ary ny fahefany, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve izany? 9 Ka nodimandry tany amin'ireo razany i Joahaza, ary nandevina azy tany Samaria izy ireo. Dia i Joasy zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 10 Tamin'ny taona fahafito amby telopolo naha-mpanjakan'i Joda an'i Joasy, ny fanjakan'i Joasy zanaka lahin'i Joahaza dia nanomboka teo amin'Israely tany Samaria; enina ambin'ny folo taona no nanjakany. Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. 11 Tsy mbola niala tamin'ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata izy, izay nampatonga an'Israely hanota, saingy tany amin'ireny no nandehanany. 12 Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Joasy, sy izay nataony rehetra, ary ny heriny tamin'izay niadiany tamin'i Amazia mpanjakan'i Joda, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'ny Israely ve izany? 13 Dia nodimandry tany amin'ireo razambeny i Joasy, ary i Jeroboama no nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany. Dia nalevina niaraka tamin'ireo mpanjaka tany Samaria i Joasy. 14 Ary narary nohon'ny aretina iray izay nahafaty azy i Elisa taty aoriana, ka nidina tany aminy i Joasy mpanjakan'Israely ary nitomany teo aminy. Hoy izy hoe: "Ry raiko, ry raiko, ireo kalesin'ny Israely sy ny mpitaingin-tsoavaly no maka anao!" 15 Dia hoy i Elisa taminy: "Makà tsipìka ary zana-tsipìka maromaro" Ka dia naka tsipìka sy zana-tsipìka maromaro i Joasy. 16 Hoy i Elisa tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: "Ataovy eo amin'ilay tsipìka ny tananao," Ka nataony teo amin'izany ny tanany. Avy eo napetrak'i Elisa teo amin'ny tanan'ny mpanjaka ny tanany. 17 Hoy i Elisa hoe: "Sokafy miantsinana ny varavarankely." Dia nosokafany izany. Dia hoy i Elisa hoe: "Tifiro", ka nitifitra izy. Dia hoy i Elisa: "Izany no zana-tsipìkam-pandresen'i Yaveh, zana-tsipìkam-pandresen'i Yaveh teo amin'i Syria, fa hanafika ireo Syriana any Afeka ianao mandra-pahalevonao azy ireo." 18 Dia hoy i Elisa hoe: "Raiso ireo zana-tsipìka," ka noraisin'i Joasy ireo. Dia hoy izy tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: "Kapohy amin'ireny ny tany," ka nikapoka ny tany intelo izy, ary nijanona avy eo. 19 Saingy tezitra taminy ilay lehilahin'Andriamanitra ka nanao hoe: "Tokony indimy na inenina no namelezanao ny tany. Avy eo dia tokony nanafika an'i Syria ianao mandra-paharinganao izany, nefa ankehitriny intelo ihany ianao no hanafika an'i Syria." 20 Avy eo dia maty i Elisa, ary nandevina azy izy ireo. Ary nisy andiana Moabita nanafika ny tany tamin'ny fiatombohan'ny taona. 21 Raha nandevina ilay lehilahy izy ireo, dia nahita andiana Moabita iray izy, ka nanipy ilay vatana tao am-pasan'i Elisa. Raha vantany vao nahakasika ny taolan'i Elisa ny vatana mangatsiakan'ilay lehilahy, dia velona indray izy ary nitsangana. 22 Nampahory ireo Israely tamin'ny andron'i Joahaza mpanjaka rehetra i Hazaela mpanjakan'i Syria. 23 Nefa namindra fo ny Israely i Yaveh, ka nangoraka azy ireo ary nihantra azy ireo, nohon'ny fanekem-pihavanana nataony tamin'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba. Ka tsy nandringana azy ireo i Yaveh, ary mbola tsy nandroaka azy ireo tamin'ny fanatrehany Izy. 24 Maty i Hazaela mpanjakan'i Syria, ka i Beni-hadada zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 25 Namerina ireo tanàna izay nalaina tamin'i Joahaza rainy tamin'ny ady tamin'i Beni-hadada zanak'i Hazaela i Joasy zanak'i Hazaela. Intelo i Joasy no nanafika azy, ary naka ireo ny tanànan'Israely ireo indray izy.
"Rehefa nanjaka nandritra ny 23 taona teo ho eo teo amin'i Joda i Joasy"
"nanapaka ny ny fanjakan'Israely tao Samaria"
"17 taona i Joahaza no nanjaka"
Eto ny hoe "eo imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fihevitr'i Yaveh." DH: "Nanao izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy"
"nanao tahaka an'i Jeroboama
Eto ny fijanona amin'ny fahotana dia resahina toy ny hoe niala tamin'izany izy. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "tsy nitsahatra nanaraka ny fahotan'i Jeroboama i Joahaza" na "Nanohy ny fanaon'i Jeroboama i Joahaza"
Toy ny hoe efo mandoro ny nilazana ny fahatezeran'i Yaveh tamin'Israely. DH: "Ary tezitra mafy tamin'i Yaveh i Israely"
Eto ny hoe "azy ireo" dia manondro an'Israely ary ny hoe "tanana" dia ilazana ny herin'ny fifehezan'izy ireo. DH: "namela an'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, sy Beni-Hadada, zanany lahy, nandresy hatrany ireo Israelita tany an'ady"
"nivavaka tamin'i Yaveh"
Mitovy ihany ny hevitr'ireo andian-teny ireo ary naverina indroa izay mba hisongadina. DH: "hitany ny hamafin'ny fomba nampahorian'ny mpanjakan'i Syria ny Israely"
"olona hamonjy azy ireo"
Eto ny hoe "tanana" dia ilazana ny hery hifehezana azy ireo. DH: "namela azy ireo ho afaka amin'ny fahefan'i Syria Izy"
Ny fijanonan'izy ireo amin'ny fahotana dia resahina toy ny hoe niala tamin'ireo fahotany izy ireo. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Tsy nitsahatra nanota tahaka ny nanotan'i Jeroboama i Israely" na "Nanohy ny fahotany tahakan'ny nataon'i Jeroboama i Israely"
"fianakavian'i Jeroboama"
"nandresy ny tafik'i Joahaza"
Ny fandresen'ny tafika Syriana an'ny tafik'Israely izay tena nihezinezina tokoa dia ampitahaina amin'ny akofa izay hosihosen'ny mpiasa rehefa fotoam-pijinjana. DH: "nanosihosy azy ireo toy ny fihosihosin'ny mpiasa ny akofa amin'ny tongony rehefa fotoam-pijinjana"
Napetraka izany fanontaniana izany mba ho fampahatsiahivana ny mpamaky fa voarakitra an-tsoratra amin'ny boky iray hafa ireo asan'i Joahaza. Jereo ao amin'ny 1:17 ny fomba nandikanao izany fanontaniana izany. DH: "voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany."
Izany dia fomba mihaja ilazana fa maty izy.
"Rehefa nanjaka nandritra ny 37 taona teo ho eo teo amin'i Joda i Joasy"
"no nanombohan'i Joasy zanaka lahin'i Joahaza nanapaka teo amin'Israely tany Samaria"
Mpanjakan'Israely izay zanaka lahin'i Joahaza.
Eto ny hoe "imason'i" dia ilazana ny fiheverana na fomba fitsaran'i Yaveh. DH: "Nanao zavatra izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy"
Ny fijanonana amin'ny fahotana dia resahina toy ny hoe miala amin'ny fahotana. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Tsy nijanona tamin'ny fahotany toy ny nataon'i Jeroboama i Joasy" na "Nitàna ny fahotany tahaka ny nataon'i Jeroboama i Joasy"
"izay tamin'ny alalan'i Jeroboama no nahatonga an'Israely hanota"
Ny hoe "manota" dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lalan'ny fahotana. DH: "saingy nanohy ny fahotany ihany i Joasy"
"ary ny hery izay nasehon'ny tafiny tamin'izy ireo niady tamin'ny tafik'i Amazia mpanjakan'i Joda"
Napetraka izany fanontaniana izany mba ho fampahatsiahivana ny mpamaky fa voarakitra an-tsoratra amin'ny boky iray hafa ireo asan'i Joahaza. Jereo ao amin'ny 1:17 ny fomba nandikanao izany fanontaniana izany. DH: "voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany."
Izany dia fomba mihaja ilazana fa maty izy.
Eto ny hoe "nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany" dia ilazana ny fanapahana amin'ny mahampanjaka. DH: "lasa mpanjaka nandimby azy i Jeroboama" na "nanomboka nanapaka teo amin'ny toerany"
"nitomany satria narary i Elisa"
Tsy tena rain'ny mpanjaka akory i Elisa. Nampiasa izany teny izany i Joasy mba ho mari-panajana azy.
Ilay zava-niseho ao amin'ny 2:11 no tiana ambara amin'izany. Nampiasa izany andian-teny izany i Joasy mba hilazany fa efa ho faty i Elisa. DH: "ireo kalesin'ny Israely sy ny mpitaingin-tsoavaly no maka anao ho any an-danitra"
Izany dia ilazana ireo lehilahy izay mitondra ireo kalesy. Azo azavaina izany. DH: "ireo mpitondra kalesy"
Mbola nanohy ny resany tamin'i Joasy, mpanjakan'Israely i Elisa.
"Sokafy mitodika miatsinana ny varavarankely" na "sokafy miatsinana io varavarankely io" (UDB)
Satria efa teny an-tanan'i Joasy ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, izany hoe mety ny mpanompo no nanokatra ny varavarankely. DH: "Dia nosokafan'ny mpanompo izany" (UDB)
"nitifitra tamin'ny zana-tsipìka"
Azo azavaina ny fifandraisan'ny tsipìka sy ny zana-tsipìka amin'ny fandresena. DH: "Ity zana-tsipìka ity dia famantarana avy amin'i Yaveh fa hanome fandresena anao eo amin'i Syria Izy" na "Ity zana-tsipìka ity dia manamarika fa hanome fandresena anao eo amin'i Syria i Yaveh"
Tanàna ao amin'ny tanin'Israely izany.
"Saingy tezitra tamin'i Joasy mpanjaka i Elisa"
"mandra-pandravanao tanteraka izany" na "mandra-pandringanao tanteraka azy ireo" (UDB)
"Tamin'izany fotoana izany"
"isa-taona nandritra ny lahataona (UDB)
"Raha teo am-pandevenana ny fatin'ilay lehilahy ny Israelita maromaro"
Eto dia midika izany fa natahotra ireo Moabita izy ireo. DH: "nahita andiana mpitaingin-tsoavaly Moabita nanatona izy ireo ka natahotra"
"ny fasana izay nandevenana an'i Elisa"
Eto ny hoe "ilay lehilahy" dia ilazana ny vatana mangatsiakany. Azo azavaina izany. DH: "Raha vantany vao nahakasika ny taolan'i Elisa ny vatana mangatsiakan'ilay lehilahy"
"velona indray ilay lehilahy maty teo ary nitsangana"
Ilaina ny mizara io fehezanteny io ho fizarana roa. DH: "Nefa tena nalemy fanahy tamin'ny vahoaka Israelita i Yaveh. Novonjeny izy ireo" (UDB)
Ny faneken'i Yaveh no antony tsy nandringanany ny Israely. Azo azavaina izany. DH: "Izany no antony tsy nandringanan'i Yaveh azy ireo" na "Noho izany fanekena izany, no tsy nandriganan'i Yaveh azy ireo"
Ny fandroasan'i Yaveh dia resahina toy ny hoe Izy tenany mihitsy no nandroaka ny Israely teo amin'nt toerana izay nisy azy ireo. DG: "tsy nandroaka azy ireo" (UDB)
1 Tamin'ny faharoa taona naha-mpanjaka an'i Joasy zanaka lahin'i Joahaza, mpanjakan'Israely, dia nanomboka nanjaka i Amazia zanak'i Joasy, mpanjakan'i Joda. 2 Dimy amby roapolo taona izy no nanomboka nanjaka; nanjaka sivy amby roapolo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran'ny reniny dia i Joadana, avy any Jerosalema. 3 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, fa tsy tahaka an'i Davida rainy. Izy dia nanao ny zavatra rehetra izay nataon'i Joasy, rainy. 4 Saingy tsy nesorina ireo toerana avo. Nanohy nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ireo toerana avo ireo ny olona. 5 Ary raha vantany vao tafapetraka tsara ny fitondràny, dia novonoiny ireo mpanompo izay namono ny rainy, dia ny mpanjaka. 6 Fa mbola tsy novonoiny ny zanak'ireo mpamono olona, fa nanao araka ny voasoratra tao amin'ny lalàna, tao amin'ny Ny Bokin'i Mosesy kosa izy, araka ny efa nandidian'i Yaveh, nanao hoe: "Tsy tokony ho vonoina nohon'ny fahotan'ireo zanany ireo ray, na ho vonoina nohon'ny fahotan'ireo ray aman-dreniny ireo zanany. Fa ny olona tsirairay kosa dia tokony ho vonoina nohon'ny fahotany manokana." 7 Namono miaramila Edomita iray alina izy tao amin'ny Lohasahan-tsira izy; nalainy tany an'ady ihany koa i Sela, ary nantsoiny hoe: Joktela, izay fiantsoana azy mandraka ankehitriny. 8 Ary nandefa mpitondra hafatra ho any amin'i Joasy zanaka lahin'i Joahaza, zanaka lahin'i Jeho, mpanjakan'Israely i Amazia nanao hoe: "Avia, andao isika hifanandrina any an'ady." 9 Saingy Joasy mpanjakan'Israely dia nandefa mpitondra hafatra hiverina tany amin'i Amazia mpanjakan'i Joda, nanao hoe: "Ny tsilo izay tany Libanona dia nampitondra hafatra ho an'ny sedera tao Libanona, nanao hoe: 'Omeo ho vadin'ny zanako lahy ny zanakao vavy,' saingy nisy bibi-dia nandalo ary nanitsaka ilay tsilo. 10 Efa nanafika an'i Edoma tokoa ianao, efa nanandratra anao ny fonao. Mireharehà amin'ny fandresenao, saingy mijanòna ao an-trano, fa nahoana ianao no tokony hanakorontana sy handavo ny tenanao, dia ianao sy i Joda niaraka taminao?" 11 Fa tsy nihaino i Amazia. Ka nanafika i Joasy mpanjakan'Israely ary nifanatri-tava tao Bety-semesy izy sy Amazia, mpanjakan'i Joda, izay an'i Joda. 12 Resin'Israely i Joda, ary nandositra nody ny lehilahy rehetra. 13 Nosamborin'i Joasy mpanjakan'Israely tao Beti- semesy i Amazia mpanjakan'i Joda zanak'i Joasy zanaka lahin'i Ahazia. Tonga tao Jerosalema izy ary nandrodana ny rindrina nanomboka teo amin'ny vavahadin'i Efraima hatrany amin'ny Vavahady Zorony, efajato hakiho ny halavirany. 14 Nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra, ireo zavatra rehetra hita tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo zavatra manan-danja rehetra tao amin'ny lapan'ny mpanjaka, niaraka tamin'ireo takalon'aina ihany koa, ary niverina tany Samaria izy. 15 Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Joasy, izay rehetra nataony, ny fahefany, ary ny fomba niadiany tamin'i Amazia mpanjakan'i Joda, moa tsy efa voasoratra ao anatin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve izany? 16 Ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Joasy ary nalevina tany Samaria niaraka tamin'ireo mpanjakan'Israely, ary Jeroboama, zanany lahy, no lasa mpanjaka nandimby azy. 17 Amazia zanak'i Joasy, mpanjakan'i Joda, dia niaina dimy ambin'ny folo taona taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'Israely. 18 Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Amazia, moa tsy efa voasoratra ao anatin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany? 19 Nanao tetika hanoherana an'i Amazia tao Jerosalema izy ireo, ary nandositra tany Lakisy izy. Nandositra tany Lakisy izy, saingy nandefa lehilahy hanaraka azy tany Lakisy izy ireo ary namono azy tany. 20 Nentin'izy ireo niverina tamin'ny soavaly izy, ary nalevina niaraka tamin'ireo razambeny tao amin'ny tanànan'i Davida. 21 Ny vahoakan'i Joda rehetra dia naka an'i Azaria, izay enina ambin'ny folo taona, ary nanao azy ho mpanjaka teo amin'ny toeran'i Amazia rainy. 22 Azaria no nanorina indray an'i Elota ary namerina izany tao Joda, ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Amazia. 23 Tamin'ny fahadimy ambin'ny folo taona naha-mpanjaka an'i Amazia, zanaka lahin'i Joasy mpanjakan'i Joda, no nanombohan i Jeroboama zanaka lahin'i Joasy mpanjakan'Israely nanjaka tao Samaria; nanjaka nandritry ny iraika amby efapolo taona izy. 24 Nanao ratsy teo imason'i Yaveh izy. Tsy niala tamin'ireo fahotana nataon'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata izy, izay nahatonga ny Israely hanota. 25 Namerina ny sisin-tanin'Israely nanomboka teo Lebo Hamata hatrany amin'ny Ranomasin'ny Arabà izy araka ny tenin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, izay efa noresahany tamin'i Jona mpanompony zanak'i Amitahy, ilay mpaminany, avy any Gata-hefera. 26 Fa hitan'i Yaveh ny fijalian'Israely, izay tena nangidy tamin'ny tsirairay, na ny andevo na ny afaka, ary tsy nisy mpanavotra ny Israely. 27 Ka niteny i Yaveh fa tsy hanimba ny anaran'Israely eo amin'ny ambany lanitra Izy, fa novonjeny tamin'ny alalan'ny tanan'i Jeroboama zanak'i Joasy kosa izy ireo. 28 Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Jeroboama, ireo rehetra izay nataony, ny fahefany, ny niadiany sy namerenany an'i Damaskosy sy Hamata, izay an'i Joda, ho an'Israely, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve izany? 29 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Jeroboama, niaraka tamin'ireo mpanjakan'Israely, ary i Zakaria zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
"Rehefa nanjaka tao Israely andritra ny roa taona teo ho eo i Joasy zanaka lahin'i Joahaza"
"lasa mpanjakan'i Joda i Amazia zanaka lahin'i Joasy"
"25 taona izy no nanomboka nanjaka"
"nanjaka 29 taona tao Jerosalema izy"
Anaram-behivavy izany.
Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana izay hitany, ary ny hoe "hitany" dia ilazana ny fomba fitsaràny. DH: "nanao zavatra maro nahafinaritra an'i Yaveh i Amazia, saingy maro toy ireo zavatra nataon'i Davida izay nahafinaritra an'i Yaveh izany"
Nankatò an'i Yaveh sy nanao zavatra tsara i Joasy. Azo azavaina izany. DH: "Nanao zavatra tsara tahakan'i Joasy rainy izy"
Eto dia mbola mitohy ny tantaran'i Ahazia amin'ny maha-mpanjakan'i Joda azy.
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. Toerana fanovana fanompoan-tsampy izany. Azo azavaina izany. DH: "Saingy tsy nesoriny ireo toerana avo"
Ny toerana avo dia toerana fanaovana fanompoan-tsampy. Azo azavaina izany. DH: "nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanitra sampy teny amin'ireo toerana ao"
Izany dia nampiasaina mba hampidirana tranga vaovao.
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "vantany vao nahatafapetraka tsara ny fitsipiky ny fitondrany i Amazia ary nanana fahefana amin'ny maha-mpanjaka azy"
Mety nibaiko olon-kafa hamono ireo manam-boninahitra i Amazia. DH: "nasainy novonoin'ireo mpanompony ireo manam-boninahitra" (UDB)
Eto ny mpanoratra dia mitantara izay nataon'i Amazia taorian'ny namonoana an'i Joasy mpanjaka rainy.
Tsy nandidy ireo mpanompony hamono ireo zanak'ireo olona izay namono ny rainy i Ahazia mpanjaka. DH: "Nefa tsy nilaza ireo mpanompony izy mba hamono ireo zanak'ireo manam-boninahitra" (UDB)
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Aoka tsy hovonoina nohon'ny fahotan'ireo zanany ireo rainy, ary aoka tsy ho vonoina nohon'ny fahotan'ireo rainy ny zanaka"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "tsy maintsy ho faty nohon'ny fahotany ny olona tsirairay"
Eto ny hoe "izy" dia manondro ny tafik'i Amazia. DH: "Namono ... ny tafik'i Amazia" na "Namono ... ireo miaramilan'i Amazia"
"miaramila Edomita 10.000"
Izany dia anaran-toerana hita any atsimon'ny Ranomasina Maty.
Eto ny mpisolo tena tampisaka "-ny" ao amin'ilay teny hoe "nalainy" dia manondro an'ny tafik'i Amazia. DH: "nalain'ny tafik'i Amazia ny tanànan'i Sela"
Nosoloin'izy ireo Joktela ilay anaran-tanàna atao hoe Sela.
Eto dia tafiditra ao amin'izany ihany koa ireo tafiky ny andaniny sy ny ankilany. DH: "Ary naniraka mpitondra hafatra tany amin'ny Joasy mpanjakan'Israely i Amazia, nanao hoe: "Mankanesa aty ary andao isika sy ny tafitsika hifanandrina" (UDB)
Sady sarinteny izany no ankamantatra. Lehibe ny hazon-tsedera ary ny kely sy tsy misy dikany tsilo. Nampitaha ny tenany tamin'i sedera i Joasy ary ary i Amazia tamin'i tsilo ary nampitandrina an'i Amazia izy mba tsy hanafika. Raha manana ohapitenenana mitovy amin'izany amin'ny fiteninao ianao dia azonao ampiasaina izany.
"kirihitra feno tsilo"
DH: "nangataka tamin'ilay sedera mba hanoe ny zanany vavy ho vadin'ny zanaka lahin'ilay tsilo"
Izany dia ampahana fampitandremana izay tao anatin'ny hafatr'i Joasy ho an'i Amazia. DH: "efa nandresy an'i Edoma tokoa ianao, ry Amazia"
Izany dia fomba fiteny ilazana ny hoe mirehareha. DH: "tena mirehareha ny amin'izay efa nataonao ianao"
"Mifalia amin'ny fandresenao"
Nametraka izany fanontaniana ozany i Joasy mba hampitandremany an'i Amazia tsy hanafika azy. DH: "fa tsy tokony hahatonga korontana ho an'ny tenanao ianao ka hijaly amin'ny faharesena"
Eto ny hoe "mihaino" dia ilazana ny hoe mankatò fampitandremana. DH: "Na dia izany aza dia tsy nankatò y fampitandreman'i Joasy i Amazia"
Niaraka nifandrina tamin'izy ireo ny tafik'izy ireo. DH: "Ka nandeha niady tamin'i Amazia sy ny tafiny i Joasy sy ny tafiny ary nifanandrina izy ireo"
Izany dia tanàn-dehibe any Joda akaikin'ny sisin-tanin'Israely.
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Nandresy an'i Joda i Israely"
"nitsoaka nody ny lehilahy rehetran'i Joda"
Izao no nitranga taorian'ny nandresen'ny tafik'Israely ny tafik'i Joda tao Bety Semesy.
Eto ny hoe "izy" sy ny mpisolo tena tampisaka "ny" avy amin'ny teny hoe "nalainy" dia manondro an'i Joasy sy ny tafiny. DH: "Tonga ... i Joasy sy ny tafiny ... nalain'ireo miaramilan'i Joasy"
Anarana vavahady tao amin'ny mandan'i Jerosalema avokoa ireo.
"180 metatra eo ho eo"
"ny hakiho iray dia mitovy amin'ny 46 santimetatra eo ho eo"
Izany dia midika fa tsy maintsy naka ireo takalon'aina ireo i Joasy mba hanakanana an'i Amazia tsy hanafika intsony. Azo azavaina izany. DH: "Ary nalain'izy ireo tao Samaria ihsny koa ny gadra maromaro mba hahafahana mahazo antoka fa tsy hahatonga korontana eo amin'izy ireo intsony" (UDB)
Napetraka izany fanontaniana izany mba ho fampahatsiahivana ny mpamaky fa voarakitra an-tsoratra ao anaty boky iray hafa ireo asan'i Joahaza. Jereo ao amin'ny 1:17 ny fomba nandikanao izany. DH: "voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely avokoa izany."
Izany ny fomba mihaja ilazana fa mty izy. DH: "Ary maty i Joasy"
"lasa mpanjaka nisolo azy"
Napetraka izany fanontaniana izany mba ho fampahatsiahivana ny mpamaky fa voarakitra an-tsoratra avokoa ireo zavatra ireo. Jereo ao amin'ny 8:22 ny fomba nandikanao izany. DH: "voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda avokoa izany."
Ny atao hoe tetika dia fikasan-dratsy an-tsokosoko hamelezana olona na zavatra iray. DH: "Nisy olona nitetika hanao ratsy an'i Amazia"
Izany dia tanàna any atsimon atsinanan'i Joda.
Nandefa lehilahy hafa mba hanaraka an'i Amazia tany Lakisy ilay lehilahy izay nanao tetika.
Izao no nitranga taorian'ny nahafatesan'i Amazia mpanjaka.
"Nentin'izy ireo niverina tamin'ny soavaly ny nofo mangatsiakan'i Amazia"
Izany dia fanaovana bango tokana fotsiny ihany. Nisy tamin'ireo olona no tsy naniry azy ho mpanjaka. DH: "Naka an'i Azaria izay vao 16 taona ny vahoakan'i Joda ary nanao azy ho mpanjaka nisolo an'i Amazia, rainy"
Tsy i Azaria irery akory no nanao izany. DH: "Azaria no nandidy y hanorenana indray an'i Elota" na "Azaria no nanara-maso ny fanorenana indray an'i Elota"
Fantatra kokoa amin'y anarana hoe "Ozia" izany mpanjaka izany ankehitriny.
tanàna iray any Joda izany.
"namerina indray izany tao Joda"
Izany dia fomba mihaja ilazana fa maty izy.
Izao dia manoritsoritra izay nataon'i Ozia rehefa lasa mpanjaka izy.
'Tamin'ny 15 taona naha-mpanjaka an'i Amazia"
"40 taona"
Eto ny hoe "imason'i" dia sarinteny ilazana ny fomba fitsarana na fiheveran'ny olona iray. DH: "ratsy araka ny fihevitr'i Yaveh" na "izay noheverin'i Yaveh fa ratsy"
Ny hoe "mijanona" amin'ny fahotana dia resahina toy ny hoe mandao lalana iray. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Tsy nijanona nanota tahakan'i Jeroboama izy" na "Nanohy ny fahotan'i Jeroboama izy"
Izany dia midika fa namerina ny tany hatrany amin'ny sisin-tany ireo tafiny. DH: "Naka indray ireo faritany izay an'Israely teo aloha ireo miaramilany"
Nantsoina ihany koa hoe Hamata izany tanàna izany.
"ny Ranomasina Maty" (UDB)
Ny hamafin'ny fijaliana dia resahina toy ny hoe tsiro mangidy. DH: "izay tena mafy tokoa"
"tsy nisy olona afaka namojy an'Israely"
Ny fandravan'i Yaveh tanteraka ny Israely dia resahina toy ny hoe nofafany tamin'ny fitafiana izy ireo. DH: "handrava tanteraka"
Eto ny hoe "ny anran'Israely" dia ilazana ny Israely rehetra sy ireo mponiny. DH: "ny vahoaka Israelita"
"ambonin'ny tany"
Eto ny hoe "tanana" dia ilazana ny hoe "hery." Nandresy ireo fahavalon'Israely i Jeroboama sy ny tafiny. DH: "namela an'i Jeroboama mpanjaka sy ny tafiny andresy azy ireo Izy"
Napetraka izany fanontaniana izany mba ho fampahatsiahivana ny mpamaky fa voarakitra an-tsoratra ao anaty boky iray hafa avokoa ireo asan'i Joahaza ireo. Jereo ao amin'ny 1:17 ny fomba nandikanao izany. DH: "voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda avokoa izany."
Izany ny fomba mihaja ilazana fa maty izy ary nalevina. DH: "Maty i Jeroboama, ary nalevina tany amin'izay nandevenana ireo mpanjakan'Israely hafa" (UDB)
1 Tamin'ny taona fahafito amby roapolo nanjakan'i Jeroboama mpanjakan'Israely, no nanomboka nanjaka i Azaria zanak'i Amazia mpanjakan'i Joda. 2 Enina ambin'ny folo taona i Azaria no nanomboka nanjaka, ary nanjaka tao Jerosalema nandritra ny roa amby dimampolo taona izy. Jekolia no anaran-dreniny, ary avy any Jerosalema izy. 3 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, araka izay nataon'i Amazia rainy. 4 Na dia izany aza dia tsy mba nalàna ireo toerana avo. Mbola nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ireo toerana avo ihany ny olona. 5 Nampahory ny mpanjaka i Yaveh hany ka boka hatramin'ny andro nahafatesany izy ary nipetraka tao amina trano misara-toerana. Jotama, zanaka lahin'ny mpanjaka, no lohan'ny ankohonana ary nanapaka teo amin'ny vahoaka tao amin'ny tany. 6 Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Azaria, sy izay rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany? 7 Ka nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Azaria, nalevin'izy ireo tany amin'ny tanànan'i Davida niaraka tamin'ireo razambeny izy. I Jotama, zanany lahy, no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. 8 Tamin'ny fahavalo amby telopolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, dia i Zakaria zanak'i Jeroboama no nanjaka teo amin'Israely tany Samaria nandritra ny enim-bolana. 9 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka ny nataon'ireo razany. Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, izay nahatonga ny Israely nanota izy. 10 Nikononkonona hanohitra an'i Zakaria i Saloma zanak'i Jabesy, nanafika azy tany Ibleama, ary namono azy. Dia lasa mpanjaka nandimby ny toerany izy. 11 Ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Zakaria, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ireo. 12 Izao no tenin'i Yaveh izay nambarany tamin'i Jeho, manao hoe: "Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hatramin'ny taranaka fahefatra mandimby ny taranakao." Dia nitranga izany. 13 Nanomboka nanjaka i Saloma zanak'i Jabesy tamin'ny fahasivy amby telopolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, ary nanjaka iray volana monja tao Samaria izy. 14 Ary niakatra avy any Tirza ho any Samaria i Menahema zanak'i Gady. Tany no nanafihany an'i Saloma zanak'i Jabesy, tao Samaria. Nahafaty azy izy ka tonga mpanjaka nandimby ny toerany. 15 Ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Saloma sy ny fikononkononana narafiny, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany. 16 Dia nanafika an'i Tifsa sy ireo rehetra teo, sy ny sisin-tany nanodidina an'i Tirza i Menahema, satria tsy novohain'izy ireo ho azy ny tanàna. Ka notafihany izany, ary notatahany avokoa ireo vehivahy bevohoka tao amin'izany tanàna izany. [1]17 Tamin'ny fahasivy amby telopolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, dia nanomboka nanjaka teo amin'Israely i Menahema zanak'i Gady; nanjaka nandritra ny folo taona tao Samaria izy. 18 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. Nandritra ny androm-piainany, dia tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata izy, izay nahatonga ny Israely nanota. 19 Ary tonga hanohitra ny tany i Pola mpanjakan'i Asyria, ary nomen'i Menahema talenta volafotsy arivo i Pola, mba homba azy ny fanohanan'i Pola ka hampatanjaka ny fanjakan'Israely teo an-tanany. 20 Nalain'i Menahema avy tamin'ny Israely tamin'ny alalan'ny fitakiana ny olona manan-karena tsirairay mba handoa sekely volafotsy dimampolo aminy mba homena ny mpanjakan'i Asyria io vola io. Ka nitodi-doha niverina ny mpanjakan'i Asyria ary tsy nitoetra tao amin'ny tany. 21 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Menahema, sy ireo rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve izany? 22 Ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Menahema, ka Pekahia zanany no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. 23 Ary tamin'ny faha-dimampolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, no nanomboka nanjaka teo amin'Israely tao Samaria i Pekahia zanak'i Menahema; nanjaka nandritra ny roa taona izy. 24 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. Tsy mba nanary ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, izay nahatonga ny Israely nanota izy. 25 Nanana lefitra iray nantsoina hoe: Peka zanak'i Remalia i Pekahia, izay nikononkonona hanohitra azy. Niaraka tamin'ireo dimampolo lahin'i Gileada, dia namono an'i Pekahia sy Argoba ary Aria tany Samaria i Peka, tao amin'ny trano mimandan'ny lapan'ny mpanjaka. Novonoin'i Peka i Pekahia ary izy no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. 26 Raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Pekahia, sy ireo rehetra nataony, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany. 27 Tamin'ny faharoa amby dimampolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, no nanombohan'i Peka zanak'i Remalia nanjaka teo amin'Israely tao Samaria; nanjaka nandritra ny roapolo taona izy. 28 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, izay nahatonga ny Israely nanota izy. 29 Tamin'ny andron'i Peka mpanjakan'Israely, dia tonga ka naka an'Iona, Abela-beti-maka, Janoa, Kadesy, Hazora, Gileada, Galilia, ary ny tanin'i Naftaly rehetra i Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria. Ary nitondra ny vahoaka nankany Asyria izy. 30 Koa dia nandrafitra fikononkononana nanohitra an'i Peka zanak'i Remalia i Hosea zanak'i Ela. Nanafika azy izy ka nahafaty azy. Dia tonga mpanjaka nandimby ny toerany izy, tamin'ny faharoapolo taona nanjakan'i Jotama zanak'i Ozia. 31 Raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Peka, sy izay rehetra nataony, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany. 32 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Peka zanak'i Remalia, mpanjakan'Israely, dia nanomboka nanjaka i Jotama zanak'i Azaria, mpanjakan'i Joda. 33 Dimy amby roapolo taona izy fony nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny enina ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Jerosa no anaran'ny reniny; zanaka vavin'i Zadoka izy. 34 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh i Jotama. Nanaraka ny ohatra rehetra izay nataon'i Azaria rainy izy. 35 Kanefa, tsy mba nesorina ireo toerana avo. Mbola nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ireo toerana avo ihany ny vahoaka. Natsangan'i Jotama ny vavahady ambonin'i Yaveh. 36 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jotama, sy izay rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany? 37 Tamin'izany andro izany Yaveh dia nanomboka naniraka an'i Rezina mpanjakan'i Arama, sy Peka zanak'i Remalia, hanohitra an'i Joda. 38 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Jotama ary nalevina niaraka tamin'ireo razambeny tao amin'ny tanànan'i Davida, razany. Ary i Ahaza, zanany lahy, no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.
DH: "Tamin'ny taona faha 27 nanjakan'i Jeroboama"
Fantatra kokoa amin'ny anarana hoe "Ozia" ny mpanjaka ankehitriny.
Izany ny anaran'ny renin'i Azaria.
"Nanao izay mahitsy ... izy"
Ny andian-teny hoe "imason'i Yaveh" dia sarinteny ilazana ny fomba fijerin'i Yaveh na ny fomba fitsaran'i Yaveh. DH: "izay marina araka ny fitsaran'i Yaveh" na "izay noheverin'i Yaveh fa marina"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "tsy nisy nanala ireo toerana ao" na "Tsy nanana olona hanal ireo toerana ao i Azaria"
Ny hoe "nalàna" eto dia midika hoe "noravana." DH: "tsy mba noravana"
"mandra-pahafatiny"
Ny teny hoe "ankohonana" eto dia ilazana ireo olona mipetraka ao amin'ny lapan'ny mpanjaka. Satria boka i Azaria, dia tsy maintsy natokana trano izy. Koa ny zanany lahy, Jotama, no nitantana ny lapa.
Ny hoe "anisan'ny ankohonana" dia midika fa manana fahefana amin'izay ao amin'izany ankohonana izany. DH: "nisahana ny ankhonana" na "nanana fahefana teo amin'ny lapan'i Azaria"
Nampiasaina izany fanontaniana izany mba ho fampahafantarana na ho fampahatsiahivana ny mpamaky fa ato anatin'ity boky ity ny andinindininy mikasika an'i Azaria. Jereo ao amin'ny 8:22 ny fomba nandikanao izany. Azo adika amin'ny endrika hafa ihany koa izany. DH: "voasoratra ... Joda avokoa izany." na "Azonao atao ny mamaky mikasika izany ... Joda."
Ny hoe "nodimandry" dia midika hoe "maty." DH: "maty ireo ireo razambeny i Azaria" na "toy ireo razambeny. dia maty ihany koa i Azaria"
"nalevin'ny fianakaviany tany amin'ny toerana izay nandevenana ireo razambeny izy"
Ny andianteny hoe "nandimby ny toerany" dia sarinteny izay midika hoe "teo amin'ny toerany." DH: "lasa mpanjaka teo amin'ny toeran'i Azaria"
DH: "Tamin'ny faha 38 taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda"
Jeroboama no mpanjakan'Israely faharoa nanana izany anarana izany. Izy dia zanak'i Joasy Mpanjaka.
Samaria ny tanàna nipetrahan'i Zakaria rehefa mpanjakan'Israely izy. DH: "nipetraka tao Samaria ary nanjaka teo amin'Israely nandritra ny enim-bolana"
"Nanao izay ratsy ... i Zakaria"
Ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fitsaran'i Yaveh. Jereo ao amin'ny 3:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "izay ratsy araka ny fomba fitsaran'i Yaveh" na "izay heverin'i Yaveh fa ratsy"
Ny fialana amin'ny fahotana dia midika hoe "mandà ny hanota". DH: "Tsy nandà ny hanao ireo fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata i Zakaria" na "Nanota tahaka ny nanotan'i Nebata i Jeroboama"
Jeroboama no mpanjaka voalohan'ireo foko tavaratra folo nitondra ny fanjakan'Israely.
Eto ny teny hoe "Israely" dia ilazana ny vahoakan'ny fanjakan'Israely. DH: "izay nampanota ny vahoakan'Israely"
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
"Zakaria Mpanjaka"
Anaran-tanàna izany.
"Dia lasa mpanjaka nandimby ny toeran'i Zakaria i Saloma"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "azonao atao ny mamaky izany ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely"
Nahatanteraka ny tenin'i Yaveh avokoa ireo tranga voalaza ao amin'ny andininy faha 10. DH: "Izay nitranga tamin'i Zakaria araka ny tenin'i Yaveh" na "Nahatanteraka ny tenin'i Yaveh nitranga tamin'i Zakaria"
Ny fipetrahana eo amin'ny seza fiandrianana dia maneho ny maha-panjaka. DH: "Ireo taranakao dia ho mpanjakan'Israely hatrany amin'ny taranaka fahefatra"
DH: "tamin'ny faha 39 taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda"
Anaran-dehilahy avokoa ireo. Jereo ao amin'ny 15:10 ny fomba nandikanao izany.
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
Samaria ny tanàna nipetrahany tamin'izy mpanjakan'Israely. DH: "Nipetraka tany Samaria i Saloma ary nanjaka teo amin'Israely nandritra ny iray volana monja izy"
Ny andian-teny hoe "andimby ny toerany" dia sarinteny izay midika hoe "teo amin'ny toerany." DH: "tonga mpanjaka teo amin'ny toeran'i Saloma"
Ny teny hoe "fikononkononana" dia azo soloina ny matoanteny hoe "mikasa." Azo azavaina ny tena hevitry ny teny hoe "fikononkononana." DH: "ny fomba nikasany hamonoana an'i Zakaria mpanjaka" na "ny fomba namonoana an'i Zakaria mpanjaka"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "azonao atao ny mamaky izany ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely"
Izany dia anaran-tanàna. Ny dikan-eny sasany manao hoe "Tapoa," izay anaran-tanàna hafa mihitsy.
DH: "Tamin'ny faha 39 taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda"
Ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fitsaran'i Yaveh. Jereo ao amin'ny 3:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "izay ratsy araka ny fomba fitsaran'i Yaveh" na "izay heverin'i Yaveh fa ratsy"
Azo avadika matoanteny ny hoe "fiainany. DH: "ny fotoana rehetra izay niainany"
Ny fialana amin'ny fahotana dia ilazana ny hoe mandà ny hanao ireo fahotana ireo. DH: "Tsy nandà ny hanao ny fahotana izay nataon'i Jeroboama zanak'i Nebata i Zakaria" na "Nanota tahakan'i Jeroboama zanak'i Nebata izy"
Eto ny teny hoe "Israely" dia ilazana ny vahoakan'ny fanjakan'Israely. DH: "izay nampanota ny vahoan'Israely"
Ny andian-teny hoe "Pola mpanjakan'i Asyria" dia ilazana an'i Pola sy ny tafiny. DH: "tonga hanohitra ny tany i Pola mpanjakan'i Asyria sy ny tafiny"
Pola ny anran'ilay lehilahy mpanjakan'i Asyria. Nantsoina ihany koa hoe Tiglata Pilesera izy.
Ny fahatongavana hanohitra ny tany dia ilazana ny fahatongavana hanafika ny vahoakan'izany tany izany. Azo azavaina fa ny hoe "ny tany" dia ilazana ny tany sy ny mponin'Israely. DH: "tonha niaraka tamin'ny tafiny mba hanafika ny vahoakan'Israely"
"talenta volafotsy 1000." Azonao atao ihany koa ny manova izany amin'ny alalan'ny mari-pandanjana ankehitriny. DH: "volafotsy efatra arivo sy telo alina kilaograma"
Ny teny hoe "fanohanana" dia azo ovaina matoanteny "manohana." DH: "mba hahafahan'i Pola manohana azy"
Ny fananany ny fanjakany eo an-tanany dia ilazana ny fanapahany ny fanjakana. DH: "hampatanjaka ny fanapahany eo amin'ny fanjakan'Israely"
"Notsoahin'i Menahema tamin'Israely"
Azonao atao ihany koa ny manova izany amin'ny alalan'ny mari-pandanjana ankehitriny. DH: "volafotsy eninjato grama" na "volavotsy telo ampaha-dimin'ny iray kilao" (UDB)
"ary tsy nitoetra tao Israely"
Nampiasaina izany fanontaniana izany mba ho fampahafantarana na ho fampahatsiahivana ny mpamaky fa ato anatin'ity boky iray hafa ity ny andinindininy mikasika an'i Menahema. Jereo ao amin'ny 1:17 ny fomba nandikanao izany. DH: "voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely avokoa izany."
Ny fodiamandry dia ilazana ny fahatesana. Jereo ao amin'ny 10:34 ny fomba nandikanao izany. DH: "Maty tahaka ireo rambeny i Menahema" na "tahaka ireo razambeny, dia mty ihany koa i Menahema"
Izany dia anaran-dehilahy.
Ny andian-teny hoe "nandimby ny toerany" dia sarinteny izay midika hoe "teo amin'ny toerany." DH: "lasa mpanjaka teo amin'ny toeran'i Menahema"
DH: "tamin'ny faha 50 taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda"
Anaran-dehilahy izany.
Ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fitsaran'i Yaveh. Jereo ao amin'ny 3:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "izay ratsy araka ny fomba fitsaran'i Yaveh" na "izay heverin'i Yaveh fa ratsy"
Ny fandaozana fahotana dia ilazana ny fandavana tsy hanota intsony. DH: "Tsy nandà ny hanao ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata i Pekahia" na "Nanota tahakan'i Jeroboama zanak'i Nebata izy"
Eto ny teny hoe "Israely" dia ilazana ny vahoakan'ny fanjakan'Israely. DH: "izay nampanota ny vahoakan'Israely"
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
"nikasa hamono an-tsokosoka an'i Pekahia"
"50 lahy"
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
"faritra voaaro mafin'ny lapa" na "toerana azo antoka ao an-dapan'ny mpanjaka"
Ny andian-teny hoe "nandimby ny toerany" dia sarinteny izay midika hoe "teo amin'ny toerany." DH: "lasa mpanjaka teo amin'ny toeran'i Pekahia"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "azonao atao ny mamaky mikasika ireo ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely"
DH: "Tamin'ny faha 52 roa amby dimampolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda"
Ny fandaozana ny fahotana dia midika hoe mandà ny hanota. DH: "Tsy nandà ny hanao ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata i Zakaria" na "Nanota tahakan'i Jeroboama zanak'i Nebata izy"
Azo ambara mazava eto fa izany dia ilazana ny fotoana nanjakan'i Peka. DH: "Tamin'ny andro nanjakan'i Peka mpanjakan'Israely" na "Nandritra ny fotoana naha-mpanjakan'Israely an'i Peka"
"Pola" no fiantso izany lehilahy izany tany aloha.
Anaran-tanàna na faritany avokoa ireo.
Eto ny hoe "izy" dia manondro an'i Tiglata Pilesera sy ny tafiny. Ny fitondrana azy ireo tany Asyria dia midika fa noterena nandeha tany izy ireo. DH: "Nanery ny vahoaka nandeha nakany Asyria izy sy ny tafiny"
Azo azavaina tsara hoe vahoaka iza no resahina eto. DH: "ny vahoakan'ireo toerana ireo" na "ny vahoakan'Israely"
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
Ny atao fikononkononana dia tetika an-tsokosoko ataona vondrona iray mba hamelezana olona iray na zavatra iray.
"Nanafika an'i Peka i Hosea ka nahafaty azy"
Ny andian-teny hoe "nandimby ny toerany" dia sarinteny izay midika hoe "nisolo ny toerany." DH: "lasa mpanjaka nisolo ny toeran'i Peka"
DH: "tamin'ny faha 20 taona nanjakan'i Jotama zanak'i Ozia"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "azonao atao ny mamaky mikasika ireo ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely"
DH: "Tamin'ny taona faha 2 nanjakan'i Peka zanak'i Remalia, mpanjakan'Israely,"
"no tonga mpanjakan'i Joda i Jotama zanak'i Azaria"
"Dimy amby roapolo taona izy fony nanomboka nanjaka ... ny 16 taona tao Jerosalema izy"
Izany dia anaran-dehilahy.
Ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia sarinteny ilazana ny fomba fitsaran'i Yaveh. DH: "izay marina araka ny fomba fitsaran'i Yaveh" na "izay heverin'i Yaveh fa marina"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "tsy nisy nanala ireo toerana avo" na "tsy nanana olona hanaka ireo toerana ao i Jotama"
Ny hoe "nalana" eto dia midika hoe "noravana." DH: "tsy mba noravana"
Ny hoe "Natsangan'i Jotama" dia midika fa nampanaovin'i Jotama ireo mpiasany izany. DH: "Nasain'i Jotama natsangan'ireo mpiasany ny vavahady ambony"
Nampiasaina izany fanontaniana izany mba ho fampahafantarana na ho fampahatsiahivana ny mpamaky fa ato anatin'ity boky iray hafa ity ny andinindininy mikasika an'i Jotama. Jereo ao amin'ny 8:22 ny fomba nandikanao izany. DH: "voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely avokoa izany."
1 Tamin'ny fahafito ambin'ny folo taona nanjakan'i Peka zanak'i Remalia, no nanomboka nanjaka i Ahaza zanakin'i Jotama mpanjakan'i Joda. 2 Roapolo taona i Ahaza no nanomboka nanjaka, nanjaka nandritra ny fito ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Tsy nanao izay marina teo imason'i Yaveh Andriamaniny, toy ny nataon'i Davida razambeny izy. 3 Fa kosa, nanaraka ny lalan'ireo mpanjakan'Israely izy; nataony tao anaty afo ho fanatitra dorana ny zanany lahy, ho fanarahana ireo fampianarana ratsin'ireo firenena, izay efa noroasin'i Yaveh teo anoloan'ny vahoakan'Israely. 4 Nanolotra fanatitra izy sady nandoroditin-kazo manitra tany amin'ireo toerana avo, teny amin'ireo havoana, ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra. 5 Ary i Rezina, mpanjakan'i Syria sy Peka zanak'i Remalia, mpanjakan'Israely dia niakatra mba hanafika an'i Jerosalema. Nanao fahirano an'i Ahaza izy ireo, nefa tsy naharesy azy izy ireo. 6 Tamin'izany fotoana izany, i Rezina mpanjakan'i Syria dia niverina naka an'i Elota ho an'i Syria ary nandroaka ireo olon'i Joda hiala an'i Elota. Avy eo dia nankany Elota ireo Syriana any amin'izay efa nonenan'izy ireo mandraka androany. 7 Ka nandefa mpitondra hafatra ho any amin'i Tiglato-pilesera manjakan'i Asyria i Ahaza, manao hoe: "Mpanomponao aho sady zanakao." Mitsangàna ary vonjeo eo amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria sy ny tanan'ny mpanjakan'Israely, izay efa nanafika ahy aho." 8 Dia nalain'i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hitany tao an-tranon'i Yaveh sy teo amin'ireo harenan'ny lapan'ny mpanjaka ary nalefany ho fanomezana ho an'ny mpanjakan'i Asyria izany. 9 Dia nihaino azy ny mpanjakan'i Asyria, ary niakatra nanohitra an'i Damaskosy ny mpanjakan'i Asyria, nandresy izany sy naka ireo vahoaka ho gadra ho an'i Kira. Novonoiny ihany koa i Rezina mpanjakan'i Syria. 10 Nandeha tany Damaskosy i Ahaza mpanjaka mba hihaona amin'i Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria. Nahita alitara iray tao Damaskosy izy. Nandefa ny modely sy ny sarin'ny alitara ary ny endriky ny asa ilaina rehetra tany amin'i Oria mpisorona izy. 11 Oria mpisorona dia nanamboatra alitara mitovy amin'ireo firafitra efa nalefan'i Ahaza mpanjaka avy any Damaskosy. Novitainy talohan'ny niverenan'i Ahaza mpanjaka avy any Damaskosy izany. 12 Rehefa tonga avy any Damakosy ny mpanjaka dia nahita ny alitara; nanatona ny alitara ny mpanjaka sady nanatitra fanatitra teo amin'izany. 13 Nanao fanatitra dorana sy fanatitra vary izy, ary nandraraka ny fanatiny fisotro sy namafy ny rà avy amin'ny fanati-pihavanany teo amin'ny alitara. 14 Ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Yaveh—dia nalàny teo anoloan'ny tempoly, avy teo anelanelan'ny alitarany sy ny tempolin'i Yaveh ary nataony teo amin'ny faritra avaratry ny alitarany izany. 15 Avy eo dia nandidy an'i Oria mpisorona i Ahaza mpanjaka, nanao hoe: "Eo ambonin'ny alitara lehibe no handorana ny fanatitra dorana ny maraina ary ny hariva dia ny fanatitra vary, ary ireo fanatitra doran'ny mpanjaka sy fanatitra vary, miaraka amin'ireo fanatitra doran'ny vahoakan'ny tany rehetra, sy ireo fanatitra vary ary ireo fanatitra fisotron'izy ireo. Afafazo eo ambonin'izany ny rà rehetra avy amin'ny fanatitra dorana, ary ny rà rehetra avy amin'ny sorona. Fa ny alitara varahina dia ho ahy mba ho fakàna torohevitra." 16 Dia nanao araka izay nandidian'i Ahaza mpanjaka azy i Oria mpisorona. 17 Avy eo dia nesorin'i Ahaza mpanjaka teo amin'ny tsanganana azo afindra ireo takelaka sy ireo koveta; nampidininy ihany koa ny koveta teo amin'ny omby varahina izay teo ambanin'izany ary napetraka teo amin'ny lampivato izany. 18 Nohon'ny mpanjakan'i Asyria, dia nalàny ireo fandrakofana ho an'ny Sabata izay efa namboarin'izy ireo tao an-tempoly, mbamin'ny fidiran'ny mpanjaka teo ivelan'ny tempolin'i Yaveh. 19 Raha ny raharaha hafa mahakasika an'i Ahaza sy izay nataony, moa tsy efa voasoratra ao anatin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany? 20 Nodimandry sy nalevina niaraka tamin'ireo razany tao an-tanànan'i Davida i Ahaza. Lasa mpanjaka nandimby azy i Hezekia zanany lahy.
DH: "Tamin'ny faha 17 taona nanjakan'i Peka zanak'i Remalia"
Anaran-dehilahy avokoa ireo. Peka no mpanjakan'Israely tamin'izany.
Ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia sarinteny ilazana ny fomba fitsaran'i Yaveh. DH: "izay marina araka ny fomba fitsaran'i Yaveh" na "izay heverin'i Yaveh fa sara"
Nanao izany marina i Davida.
Ny hoe "manaraka" eto dia entina ilazana ny fitondran-tena sy ny asan'ny olona iray. DH: "Nanao tahaka ny fanaon'ireo mpanjakan'Israely i Ahaza" na "nanao ireo zavatra izay nataon'ireo mpanjakan'Israely izy"
Ny teny hoe "firenena" dia ilazana ny vahoakan'ireo firenena hafa. Eto izany dia ilazana ny vahoakan'ireo firenena izay nonina tamin'izany tany izany. DH: "ny vahoakan'ireo firenena"
Ny teny hoe "firenena" dia ilazana ny vahoakan'ireo firenena hafa, izany hoe ilazana ny vahoakan'ireo firenena izay nonina tamin'izany tany izany. DH: "ny vahoakan'ireo firenena"
ny hoe "mamdroaka" dia midika hoe "nandefa an-katerena." DH: "izay noteren'i Yaveh nandeha"
Nandositra ny vahoakan'ireo firenena rehefa nifindra nankao amin'ny tany ny vahoakan'Israely. Azo azavaina ny tena hevitra fenon'izany andian-teny izany. DH: "teo anoloan'ny vahoakan'Israely izay nifindra nankao amin'ny tany" na "raha nifindra nankao amin'ny tany ny vahoakan'Israely"
Eny amin'ireny toerana ireny ny olon'ireo firenena hafa no midera ireo andriamani-kafan'izy ireo.
Naniry i Yaveh ny mba hanoloran'ny vahoakany sorona ho azy any Jerosalema. Ny teny hoe "rehetra" eto dia fanitarana mba hanehoana ny tsy fankatoavan'i Ahaza an'Anandriamanitra amin'ny fanolorana sorona eny amin'ny toerana maro samy hafa. DH: "teny ambani'ny hazo maitso maro" na "teny ambanin'ny hazo maitso manerana ny firenena"
Anaran-dehilahy avokoa ireo. Jereo ao amin'ny 15:37 ny fomba nandikanao ireo.
Tany Jerosalema i Ahaza. Eto ny hoe "Ahaza" dia manondro azy tenany sy ireo olona tao Jerosalema niaraka taminy. DH: "nanodidina ny tanàna niaraka tamin'i Ahaza izay tao amin'izany." na "nanodidina an'i Ahaza sy ireo hafa tao an-tanàna niaraka taminy"
Izany dia ilazana ny fifehezana an'i Elota mba ho lasan'ny vahoakan'i Syria izany. DH: "nifehy ny tanànan'i Elota"
Anaran-tanàna izany. Jereo ao amin'ny 14:20 ny fomba nandikanao izany.
"nanery ireo olon'i Joda handao an'i Elota"
Ao amin'ny 15:19 dia i "Pola" no niantsoana izany lehilahy izany. Jereo ao amin'ny 15:29 ny fomba nandikanao izany.
Ny hoe mpanompo sady zanaka dia maneho ny fanekena fahefan'olona iray. DH: "Hanakatò anao toy mpanomponao na zanakao aho"
Ny tanana dia sarinteny ilazana ny fahefana. DH: "eo amin'ny fahefan'ny mpanjakan'i Syria sy ny fahefan'ny mpanjakan'Israely"
Ireo mpanjaka izay nanafika an'i Ahaza dia entina ilazana ireo tafik'ireo mpanjaka izay nanafika an'i Ahaza sy ny vahoakany. DH: "izay efa nanafika ahy niaraka tamin'ny tafik'izy ireo" na "izay ny tafik'izy ireo no efa nanafika ahy"
Ny teny hoe "mpanjaka" eto dia entina ilazana ny mpanjaka sy ny tafiny. DH: "niakatra hanohitra an'i Damaskosy ny mpanjakan'i Asyria sy ny tafiny"
Ny fakàna ireo vahoaka dia midika fa noterena handeha izy ireo: DH: "nanao ireo vahoaka ho gadrany ary nanery azy ireo handeha ho any Kira"
Ireo mety ho dikany dia: 1) Anaran-tanàna izany, na 2) izany teny izany dia midika hoe "tanàna" ary ilazana ny renivohitry ny tanàn'i Asyria.
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "ny toromarika rehetra ilaina amin'ny fananganana" na "ny toromarika rehetra izay ilain'ireo mpandrafitra mba hanangana izany.
Izao no nataon'i Ahaza mpanjaka rehefa tafaverina avy tany Damaskosy ka namangy ny alitara vaovao izay nandidiany ny hanganana izany.
Nanao ny fanatiny dorana ... i Ahaza mpanjaka"
Ilay alitara izay nasain'i Ahaza natsangan'i Oria no tiana ho lazaina amin'izany.
Ilay alitara izay nahorin'ny Israely efa tany aloha be araka ny toromarik'Andriamanitra izany.
Ny andian-teny hoe "anatrehan'i Yaveh" dia sarinteny ilazana ny toerana izay nanehoan'i Yaveh ny voninahiny tany aloha. DH: "Ny alitara varahina izay teo anatrehan'ny tempoly"
Ireo andian-teny roa ireo dia samy milaza ny toerana nisy ilay alitara. Teo amin'ny toerana iray ihany izany.
Ilay alitara vaovao izay nasain'i Ahaza natsangan'i Oria no tiana ho lazaina amin'izany.
Nanindrahindra ireo fanatiny ny mpanjaka. DH:"ny fanatitra dorako sy ny fanatitra variko" na "ny fanatitra doran'ny mpanjaka sy ny fanatitra varin'ny mpanjaka"
Misy kodiarana ireo trano heva ireo mba hahafahana mamindra toerana ireo. DH: "tsanganana azo ahetsika"
Ny koveta dia fitaovana lehibe boribory fitoeran-drano vita amin'ny varahina. DH: "nampidininy ihany koa ilay koveta lehibe"
DH: "Mba hampifaliana ny mpanjakan'i Asyria"
Nampiasaina izany fanontaniana izany mba ho fampahafantarana na ho fampahatsiahivana ny mpamaky fa ato anatin'ity boky iray hafa ity ny andinindininy mikasika an'i Jotama. Jereo ao amin'ny 8:22 ny fomba nandikanao izany. DH: "voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda avokoa izany."
Ny hoe "nodimandry" dia ilazana ny fahafatesana. DH: "Maty toy ireo razany i Ahaza" na "tahaka ireo razany, dia maty ihany koa i Ahaza"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "sy nalevin'ny vahoaka niaraka tamin'ireo razany izy"
Ny andian-teny hoe "nandimby azy" dia sarinteny izay midika hoe "nisolo ny toerany." DH: "Lasa mpanjaka nisolo ny toerany"
1 Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahaza mpanjakan'i Joda, no nanomboka ny fanjakan'i Hosea zanak'i Elaha. Nanjaka tao Samaria nanerana ny Israely nandritra ny sivy taona izy. 2 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tsy tahaka ireo mpanjakan'Israely izay teo alohany. 3 Nanafika azy i Salmanesera mpanjakan'i Asyria, ka tonga mpanompony i Hosea ary nitondra fanomezam-boninahitra ho azy. 4 Ary hitan'ny mpanjakan'i Asyria fa nitetika hanohitra azy i Hosea, satria nandefa mpitondra hafatra nankany amin'i So mpanjakan'i Egypta i Hosea; ary koa, tsy mba nanolotra fanomezam-boninahitra ho an'ny mpanjakan'i Asyria izy, tahaka ny nataony isan-taona isan-taona. Ka nidin'ny mpanjakan'i Asyria izy ary nofatorany tany am-ponja. 5 Avy eo dia nanafika nanerana ny tany rehetra ny mpanjakan'i Asyria, ary nanafika an'i Samaria sy nanao fahirano an'izany nandritra ny telo taona. 6 Tamin'ny taona fahasivy naha-mpanjaka an'i Hosea, dia naka an'i Samaria sy nitondra ny Israely lavitra an'i Asyria ny mpanjakan'i Asyria. Nametraka azy ireo tany Hala izy, tao amin'ny Habora Onin'i Gozana, ary tany amin'ny tanànan'ny Mediana. 7 Nitranga izany fahababoana izany satria nanota tamin'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo ny vahoak'Israely, izay nitondra azy ireo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, avy teo ambany fifehezan'i Farao mpanjakan'i Egypta. Efa nanompo andriamani-kafa ireo vahoaka 8 ka nandeha tamin'ny fanaon'ireo firenena izay efa naringan'i Yaveh teo anatrehan'ireo zanak'Israely, sy tamin'ny fanaon'ireo mpanjakan'Israely izay efa nataon'izy ireo. 9 Ny zanak'Israely—dia nanao ireo zavatra izay tsy marina an-tsokosoko—hanohitra an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. Nanangana fitoerana avo ho azy manerana an'ireo tanànany izy ireo, hatrany amin'ny tilikambo fiambenana ka hatrany amin'ny manda fiarovana. 10 Nanangana tsangam-bato sy baon'Aseraha teny amin'ny havoana avo rehetra sy tany ambanin'ny hazo maitso rehetra ihany koa izy ireo. 11 Teny izy ireo no nandoro ditin-kazo manitra tamin'ireo fitoerana avo rehetra, tahaka ny nataon'ireo firenena, ireo izay nentin'i Yaveh teo anatrehan'izy ireo. Nanatanteraka zava-dratsy ireo Israelita mba hahatonga an'i Yaveh ho tezitra; 12 izy ireo dia nanompo sampy, momba izay efa notenen'i Yaveh azy ireo hoe: "Tsy hanao izany zavatra izany ianareo." 13 Nefa Yaveh efa nanambara tamin'Israely sy tamin'i Joda tamin'ny alalan'ny mpaminany tsirairay sy ny mpahita tsirairay, nanao hoe: "Mialà amin'ireo fomba ratsinareo ka tandrovy ireo didiko sy ireo lalàko, ary meteza hanaraka ny lalàna rehetra nandidiako ireo razanareo, ary izay nirahiko ho aminareo tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompoko. 14 Kanefa tsy nihaino izy ireo; fa kosa mafy loha tokoa tahaka ireo razany izay tsy nahatoky an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. 15 Nolavin'izy ireo ny lalàny sy ny fanekem-pihavanana izay nataony tamin'ireo razany, ary ireo didy fanekena izay nomeny azy ireo. Nanaraka fomba tsy nisy nilàna azy izy ireo ary ny tenan'izy ireo mihitsy no lasa tsy nisy nilàna azy. Nanaraka ireo firenena mpanompo sampy izay nanodidina azy izy ireo, dia ireo izay nandidian'i Yaveh azy ireo tsy hotahafina. 16 Izy ireo dia nanao tsinontsinona ireo didy rehetran'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. Nanamboatra sarin-janak'omby roa vita tamin'ny vy izy ireo mba ho tompoina. Nanamboatra baon'Aseraha izy ireo, ary nanompo an'i Bala sy ireo kintana rehetra teny an-danitra. 17 Nalefan'izy ireo tanaty afo ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'izy ireo, nampiasa ireo sikidy sy famosaviana, nivarotra ny tenan'izy ireo mba hanao izay ratsy teo imason'i Yaveh, sy nahatonga Azy ho tezitra. 18 Noho izany dia tezitra mafy tamin'Israely i Yaveh ka nanaisotra azy ireo tsy ho eo imasony. Tsy nisy na iray aza tafajanona afa-tsy ny fokon'i Joda irery ihany. 19 Na dia i Joda aza tsy nahatàna ny didin'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo, fa kosa nanaraka fanompoan-tsampy nitovy tamin'izay narahin'Israely. 20 Noho izany dia nolavin'i Yaveh avokoa ireo taranak'Israely rehetra; nampahoriany izy ireo ary natolony teny an-tanan'ireo izay mpambabo ny fananan'izy ireo, mandra-pitsonik'izy ireo tsy ho eo imasony. 21 Nanaisotra ny Israely tamin'ny fitohizan-taranak'i Davida Izy, ary nametraka an'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata mpanjaka. Nitarika ny Israely hiala tamin'ny fanarahana an'i Yaveh i Jeroboama ary nampanao fahotana lehibe azy ireo. 22 Nanaraka ny fahotan'i Jeroboama rehetra ny zanak'Israely ary tsy niala tamin'ireny izy ireo, 23 ka nesorin'i Yaveh teo imason'Israely, araka ny nolazainy tamin'ireo mpaminany mpanompony rehetra fa hataony. Dia nentina lavitra ivelan'ny tanin'izy ireo tany Asyria ny Israely, ary mbola any foana hatramin'izao andro izao. 24 Nitondra vahoaka avy tany Babylona sy avy tany Kota, sy avy tany Ava, sy avy tany Hamata sy Sefarivaima ny mpanjakan'i Asyria, ka nametraka azy ireo tany amin'ny tanànan'i Samaria teo amin'ny toeran'ny Zanak'Israely. Dia nahazo an'i Samaria ireny ka nonina tao amin'ny tanànany. 25 Ary tamin'ny fiantombohan'ny fonenan'izy ireo tany dia tsy nanome voninahitra an'i Yaveh izy ireo. Koa nandefa liona tamin'izy ireo izay namono ny sasany tamin'izy ireo i Yaveh. 26 Dia niteny tamin'ny mpanjakan'i Asyria izy ireo, nanao hoe: "Ireo firenena izay avy nentinao sy napetrakao tato amin'ny tanànan'i Samaria dia tsy mahafantatra ireo fomba takian'ny andriamanitry ny tany. Ka nandefa liona teo amin'izy ireo izy, ary, indro, mamono ny olona ireo liona satria tsy mahalala ireo fomba takian'ny andriamanitry ny tany izy ireo." 27 Ary ny mpanjakan'i Asyria nibaiko, nanao hoe: "Alaivo ny iray amin'ireo mpisorona izay nentinareo avy tany, ka aoka izy handeha sy honina any, ary aoka izy hampianatra azy ireo ny fomba izay takian'ny andriamanitry ny tany." 28 Koa tonga nonina tany Betela ny iray tamin'ireo mpisorona izay avy nentin'izy ireo avy tany Samaria; nampianatra azy ireo ny fomba tokony hideran'izy ireo an'i Yaveh izy. 29 Nanao andriamanitra ho azy avy ireo foko tsirairay, ka nametraka azy ireny teny amin'ny fitoerana avo izay nataon'ireo Samaritana—ny foko tsirairay tany amin'ny tanàna nonenany avy. 30 Ny vahoakan'i Babylona nanamboatra an'i Sokota-benota; ny vahoakan'i Kota nanamboatra an'i Nergala; ny vahoakan'i Hamata nanamboatra an'i Asima; 31 ireo Avita nanamboatra an'i Nibaza sy Tartaka. Ireo Sefarvita nandoro ireo zanany tao amin'ny afo ho an'i Adrameleka sy Anameleka, andriamanitry ny Sefarvaima. 32 Nanome voninahitra an'i Yaveh ihany koa izy ireo, ka nanendry mpisoron'ireo fitoerana avo avy tamin'izy ireo, izay nanao sorona ho azy ireo tao amin'ny tempoly tao amin'ireo toerana avo. 33 Nanome voninahitra an'i Yaveh izy ireo sady nanompo ireo andriamanitr'izy ireo, tamin'ny fomba fanaon'ireo firenena tamin'izay efa nentin'izy ireo. 34 Hatramin'izao andro izao dia mikiry amin'ireo fomba fanaon'izy ireo taloha izy ireo. Sady tsy manome voninahitra an'i Yaveh izy ireo, no tsy manaraka ireo didy aman-dalàna izay natolotr'i Yaveh tamin'ny vahoakan'i Jakoba—izay nantsoiny hoe: Israely— 35 ary tamin'izay nanaovan'i Yaveh fanekena sy nandidiany azy ireo hoe: "Tsy hatahotra andriamani-kafa ianareo, na hiankohoka amin'izy ireny, na hanompo azy ireny, na hanao fisoronana ho azy ireny. 36 Nefa i Yaveh, izay nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy tanana nisandratra, no ilay Iray izay tsy maintsy omenareo voninahitra; Izy no hiankohofanareo, ary ho Azy ny sorona ataonareo. 37 Ireo didy aman-dalàna izay nosoratany ho anareo, hotànanareo mandrakariva ireny. Noho izany aza matahotra andriamani-kafa ianareo, 38 ary ny fanekem-pihavanana izay efa nataoko taminareo, dia tsy ho adinoinareo; na ianareo hanome voninahitra andriamani-kafa. 39 Fa Yaveh Andriamanitrareo no homenareo voninahitra. Izy no hamonjy anareo amin'ny herin'ireo fahavalonareo." 40 Tsy nihaino izy ireo, satria nanohy nanao izay nataon'izy ireo tany amin'ny lasa izy ireo. 41 Ka dia natahotra an'i Yaveh ireo firenena ary nanompo ireo sarin-javatra voasokitr'izy ireo ihany koa izy ireo, ary nanao toy izany ihany koa ireo zanak'izy ireo—tahaka izay nataon'ny taranaky ny zanak'izy ireo. Manohy manao izay nataon'ireo razany hatrany izy ireo, mandrak'ankehitriny.
Tonga filohan'ny atsimon'ny fanjakan'Israely i Hosea.
Anaran-dehilahy izany.
Samaria no renivohitry ny tanànan'Israely.
Tsy nankatò ireo lalàna nomena an'i Mosesy izy. Ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia sariteny ilazana ny fomba fitsarany sy ny fomba fiheviny. DH: "ratsy amin'i Yaveh"
Nanao araka izay nandidian'ny mpanjakan'i Asyria azy i Hosea ary nitondra vola ho azy mba tsy handravan'ny mpanjaka an'Israely an'Israely.
Anaran-dehilahy izany.
Anaran-dehilahy izany.
"isan-taona" (UDB)
Ka nogadrain'... i Hosea" (UDB)
"nametraka andian'olona manodidina ny tanàna mba hampilefitra izany"
Ny anarana hoe "Israely" dia sarinteny ilazana ny olona izay monina ao. DH: "nitondra ny vahoaka Israely lavitra an'i Asyria"
Anaran-toerana avokoa ireo.
Izany dia anarana vondron'olona.
Eto ny mpitantara dia nihato kely mba hamintina ny fitsaran'i Yaveh ny Israely.
Ny nambaboan'ireo Asyriana ireo Israelita no tiana ho lazaina amin'izany.
Izany dia midika fa teo ambaniny fahefan'i Farao ireo. DH: "teo ambany fahefan'i"
Ny hoe "nandeha" eto dia sarinteny ilazana ny fomba fanao na fomba fitondran-tenan'ny olona eo amin'ny fiainana. DH: "nanao ireo fanaon'ireo"
Mbola mitohy ny fitantarana ny famintinana ny fitsaran'i Yaveh ny Israely.
Izany dia fanitarana mba hanehoana fa nihely ny fanompoana ireo andriamanitra tsy izy. DH: "teny amin'ireo havoana avo sy tany ambanin'ny hazo maitso teny rehetra teny"
Mbola mitohy ny fitantarana ny famintinana ny fitsaran'i Yaveh ny Israely.
Ireo fomba azo ilazana izany dia: 1) "Nanao zava-dratsy maro mba hahatonga an'i Yaveh ho tezitra" (UDB) na 2) "nanao zava-maro feno fahotana izay nahatezitra an'i Yaveh"
"momba izay efa nampitandreman'i Yaveh azy ireo hoe"
Mbola mitohy ny fitantarana ny famintinana ny fitsaran'i Yaveh ny Israely.
Tamin'ny alalan'ireo mpaminany no nitenenan'i Yaveh.
"Atsaharo ny fanaovana ireo zava-dratsy izay fanaonareo"
Nirahin'i Yaveh ireo mpaminany mba hampatsiahy an'ny vahoaka ireo Lalàn'Andriamanitra sy ny mba hankatoavan'izy ireo izany.
Mbola mitohy ny famintinana ny fitsaran'i Yaveh ny Israely.
Tsy nazoto hanaraka ireo Lalàn'Andriamanitra sy hiankina amin'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo izy ireo.
Nandà ny hankatò ny Lalàn'Andriamanitra izy ireo.
Nanaraka ny fomban'ny vahoaka nanodidina azy izy ireo.
"tsy ho alain-tahaka"
Mbola mitohy ny famintinana ny fitsaran'i Yaveh ny Israely.
Ny sarin-javatra vita amin'ny vy dia vita avy amin'ny vy mitsonika izay natao tao anaty lasitra iray mba hahazo endrika.
"ody ratsy"
Ny hoe "niverotra ny tenan'izy ireo" dia sarinteny ilazana fa nanao izay ratsy indrindra izy ireo. DH: "nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy izy ireo"
Ny hoe "imasony" dia sarinteny ilazana ny hoe "misarika ny sain'i Yaveh," izany hoe tsy niraharaha azy ireo intsony Izy eto. DH: "nanaisotra azy ireo tsy ho hitany"
Ahitana ny fomba nahalavo an'i Joda tamin'ny fanompan-tsampy ihany koa ny famintinana ny fitsaran'i Yaveh ny Israely"
Ny anaran-tanàna hoe "Joda" dia sarinteny ilazana ny vahoaka izay monina ao. DH: "ny vahoakan'i Joda"
"Nofaizin'i Yaveh ireo Israelita"
Ny hoe "tanana" dia sarinteny ilazana ny fifehezana, hery na fahefana. DH: "nomeny ireo izay nandroba ny fanan'izy ireo"
Ny hoe "eo imasony" dia sarinteny ilazana ny hoe "fifantohana" na "fiahiana." DH: "Nesoriny avokoa izy ireo" (UDB) na "mandra-paha-tsy teo azy ireo teo amin'ny fanatrehany intsony"
Mbola mitohy amin'ny fampifandraisana ny tantara ny anton'ny fitsran'i Yaveh ny Israely.
Ny hoe "nanaisotra" dia sarinteny ilazana ny fanalà an-kerisetra. DH: "Nanala ny vahoakan'Israely i Yaveh"
"tamin'ny fitsipik'ireo taranak'i Davida" (UDB)
"Nampivily ny Israely hiala tamin'ny fanarahana an'i Yaveh"
"Tsy nijanona nanota ireo Israelita" na "tsy nandao ny fahotany izy ireo (UDB)
Ny hoe "imasony" dia sarinteny ilazana ny fisarihana ny sain'i Yaveh sy ny fiahiany. DH: "ka nesorin'i Yaveh teo imasony sy teo amin'ny fiahiany ny vahoakan'Israely"
Mbola nitohy namely ireo mponina Asyriana vaovao izay nanompo sampy ny fitsran'i Yaeh.
Anaran-toerana tao amin'ny fanjakan'ny Asyriana avokoa ireo.
"Tamin'ireo vahoaka ireo vao nipetraka tao"
"Ny vahoaka izay nalainao avy tany amin'ny tany hafa sy nalefanao hipetraka ao amin'ireo tanàn'i Samaria.
"tsy mahafantatra ny fomba hanompoana ilay Andriamanitra izay tompoin'ireo Israelita ao amin'izany tany izany" (UDB)
"Makà mpisorna iray izay avy tany Samaria ary ento miverina aty,"
"ary aoka ilay mpisorona Samaritana hampianatra ny vahoaka izay monina ao ankehitriny.
Anarana andriamani-dahy sy andriamani-bavy avokoa ireo.
Anaran-toerana avokoa ireo.
Anarana vondron'olona avokoa ireo.
"nanao sorona ireo zanany" (UDB) na "nandoro ireo zanany tao anaty afo ho sorona"
Izany dia manondro ireo vahoaka mpanompo sampy izay nafindran'ny mpanjakan'i Asyria tao amin'ireo tanànan'i Samaria.
"mbola manohy ireo fanaony mahazatra tany aloha izy ireo"
Ny hampitony an'i Yaveh ihany no nahaliana ny vahoaka. Sady tsy liana izy ireo no tsy nahafantatra fa te-hanana fifandraisana amin'izy ireo i Yaveh.
Madiva hifarana ny famintinana ary arahina antso avo izany mba hanompoan'ny olona an'i Yaveh irery ihany.
Ny andian-teny hoe "tanana nisandratra" dia sarinteny ilazana fa miharihary ny herin'i Yaveh ary mitovy amin'izany ihany koa ny hoe "hery lehibe." DH: "tamin'ny hery lehibe dia lehibe" (UDB)
"ho ankatoavinareo ... ireo"
Mifarana eto ny famintinana ary arahina antso avo izany mba hanompoan'ny olona an'i Yaveh irery ihany, sy fanoritsoritana ireo fahotan'ny vahoaka ihany koa.
DH: "Tsy nankatò izy ireo"
Ireo firenena ireo dia natahotra an'i Yaveh mba hampitony azy fotsiny ihany tahaka ny fomba fitondran'izy ireo ny andriaman-kafan'izy ireo
Ny hoe "ankehitriny" dia ilazana ny fotoana nahaveloman'ny mpanoratra.
1 Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Hosea zanak'i Elaha, mpanjakan'Israely, no nanomboka nanjaka i Hezekia zanak'i Ahaza, mpanjakan'i Joda. 2 Dimy amby roapolo taona izy no nanomboka nanjaka; nanjaka sivy amby roapolo taona tany Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia i Aby; zanaka vavin'i Zakaria izy. 3 Ary nanao izay mahitsy teo imason'i Yaveh izy, nanaraka ny ohatra rehetra izay efa nataon'i Davida, razambeny. 4 Nanaisotra ireo toerana avo izy, nandrava ireo andry vato, ary nanapaka ireo baon'Aseraha. Nanapatapaka ny menarana varahina izay nataon'i Mosesy izy, satria tamin'ireo andro ireo no nandoroan'ny vahoakn'Israely ny ditin-kazo manitra ho an'izany; izany dia nantsoina hoe: "Nehostana." 5 Nahatoky an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely i Hezekia, mba tsy hisy olona hitovy aminy ao aoriany eo amin'ireo mpanjakan'i Joda rehetra, na eo amin'ireo mpanjaka izay teo alohany. 6 Fa nifikitra tamin'i Yaveh izy. Tsy nitsahatra nanaraka azy izy ary nitandrina ireo didiny, izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 7 Ka nomba an'i Hezekia i Yaveh, ary na aiza na aiza nalehany dia nambinina izy. Nikomy nanohitra ny mpanjakan'i Asyria izy ary tsy nanompo azy. 8 Nanafika ireo Filistina hatrany Gaza sy ny sisin-tany manodidina izy, hatrany amin'ny tilikambon'ireo mpiambina ka hatrany amin'ny tanàna voaaro mafy. 9 Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Hezekia Mpanjaka, izay taona fahafito nanjakan'i Hosea zanak'i Elaha mpanjakan'Israely, dia niakatra hanohitra an'i Samaria i Salmanesera mpanjakan'i Asyria ary nanao fahirano izany. 10 Ary tamin'ny fiafaran'ny taona fahatelo no nakan'izy ireo izany, dia tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan'i Hosea mpanjakan'Israely; izany no fomba nisamborana an'i Samaria. 11 Koa nentin'ny mpanjakan'i Asyria tany Asyria ny Israely, ary nataony tao Hala, teo amin'ny Reniranon'i Habora tany Gozana, ary tao amin'ireo tanànan'i Mediana izy ireo. 12 Nanao izany izy satria tsy nankatò ny feon'i Yaveh Andriamaniny izy ireo, fa kosa nandika ny tenin'ny fanekeny, izay rehetra nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh azy ireo. Nandà hihaino na hanao izany izy ireo. 13 Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia Mpanjaka, Sankeriba mpanjakan'i Asyria dia nanafika ny tanàna voaaro mafy rehetran'i Joda ka naka ireo. 14 Ka nandefa hafatra tany amin'ny mpanjakan'i Asyria, izay tany Lakisy i Hezekia mpanjakan'i Joda nanao hoe: "Efa nanafintohina anao aho. Mialà amiko. Na inona na inona hampitondrainao ahy dia ho entiko." Dia nitaky tamin'i Hezekia mpanjakan'i Joda mba handoa ny talenta volafotsy telonjato sy talenta volamena telopolo ny mpanjakan'i Asyria. 15 Ka nomen'i Hezekia azy ny volafotsy rehetra izay hita tao amin'ireo tranon'i Yaveh sy tao amin'ireo fitoeran-java-tsarobidin'ny lapan'ny mpanjaka. 16 Dia nesorin'i Hezekia ny volamena teo amin'ny tempolin'i Yaveh sy teo amin'ny andry izay nametahany takela-bolamena; ary nomeny ny mpanjakan'i Asyria ny volamena. 17 Nefa ny mpanjakan'i Asyria nanetsika ny tafiny lehibe, naniraka an'i Tartana sy Raba-sarisa ary ny lehiben'ny mpifehy avy any Lakisy ho any amin'i Hezekia mpanjaka ao Jerosalema. Nandeha niakatra tamin'ny lalana izy ireo ary tonga tao ivelan'i Jerosalema. Nanatona ny lakan-dranon'ny kamory ambony izy ireo, teo an-dalamben'ny sahan'ny mpamotsy lamba, ary nijanona teo amin'izany. 18 Rehefa niantso an'i Hezekia Mpanjaka izy ireo, dia nivoaka mba hijery azy ireo i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, izay nanapaka ny ankohonana, sy Sebna mpanora-dalàna, ary Joa zanaka lahin'i Asafa, mpitahiry tantara. 19 Ary ny lehiben'ny mpifehy niteny azy ireo mba hilaza amin'i Hezekia izay nolazain'ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asyria, manao hoe: "Inona no loharanon'ny fahatokianao? 20 Teny tsy misy dikany no lazainao, milaza hoe misy namana sy hery ho amin'ny ady. Ary ankehitriny iza no itokianao? Iza no nanome herim-po anao hikomy hanohitra ahy? 21 Indro, matoky ny tehina volotara torotoron'ny Egypta ianao, kanefa raha mitehina amin'izany ny olona, dia hiraikitra eo amin'ny tanany izany ka handoaka izany. Tahaka izany i Farao mpanjakan'i Egypta amin'ireo rehetra matoky azy. 22 Fa raha miteny amiko ianao hoe: 'Matoky an'i Yaveh Andriamanitray izahay,' moa ve tsy izy ilay iray izay naka ireo toerana avo sy ny alitara izay nalain'i Hezekia, ary nilaza tamin'i Joda sy Jerosalema hoe: 'Tsy maintsy manompo eo anoloan'ity alitaran'i Jerosalema ity ianao'? 23 Ankehitriny ary, te-hanolotra fanatitra tsara avy amin'ny tompoko mpanjakan'i Asyria aho. Homeko soavaly roa arivo ianao, raha mahita mpitaingina azy ireo. 24 Hataonao ahoana ny manohitra na dia ny iray amin'ny kapiteny izay kely indrindra amin'ireo mpanompon'ny tompoko aza? Efa nametraka ny fahatokianao tany Egypta ho an'ireo kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly ianao! 25 Moa efa nandeha niakatra tsy nisy an'i Yaveh mba hiady hanohitra sy handrava ity toerana ity ve aho? Hoy i Yaveh tamiko: 'Tafio ary ravao ity tany ity.'" 26 Avy eo i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, sy Sebna, ary Joa nilaza tamin'ny lehiben'ny mpifehy hoe: "Mba resaho amin'ny fiteny Syriana re ireo mpanomponao, fa azonay izany. Aza miresaka aminay amin'ny fitenin'ny Joda eo amin'ny sofin'ny olona izay eo amin'ny rindrina." 27 Nefa hoy ny lehiben'ny mpifehy tamin'izy ireo hoe: "Moa ve nandefa ahy ho any amin'ny tomponao sy ianao ny tompoko mba hilaza ireo teny ireo? Moa ve aho nalefany tany amin'ireo lehilahy mipetraka eo amin'ny rindrina, iza no tsy maintsy hihinana ny malotony sy hisotro ny amanin'izy ireo manokana miaraka aminao?" 28 Ary ny lehiben'ny mpifehy nitsangana sy niantso tamin'ny feo mafy tamin'ny fiteny Jiosy hoe: "Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria. 29 Izao no lazain'ny mpanjaka, 'Aza manaiky hofitahin'i Hezekia hianareo, fa tsy afaka ny hamonjy anao amin'ny fahefako izy. 30 Aza mamela an'i Hezekia hampahatoky anao an'i Yaveh, manao hoe: "Hamonjy antsika tokoa i Yaveh, ary ity tanàna ity dia tsy hatolotra ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria.'" 31 Aza mihaino an'i Hezekia, fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria hoe: 'Mihavana amiko ary miaraha amiko. Ary ny tsirairay avy aminareo dia samy hihinana amin'ny voalobony sy ny hazon'aviaviny, ary hisotro ny rano ao amin'ny famorian-dranony. 32 Hanao izany mandra-pihaviko sy hitondrako anareo any amin'ny tany toy ny taninareo manokana, tany misy vary sy voaloboka vaovao, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy hazo oliva sy tantely mba ho velona ianareo fa tsy ho faty.' Aza mihaino an'i Hezekia raha miezaka mandresy lahatra anareo izy, manao hoe: 'Hamonjy antsika i Yaveh.' 33 Moa nisy nahavonjy azy ireo teo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria ve ireo andriamanitry ny olona? Aiza moa ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada? 34 Aiza moa ireo andriamanitr'i Sefarvaima, sy Hena, ary Iva? Nahavonjy an'i Samaria teto an-tanako ve izy ireo? 35 Eo amin'ny andriamanitry ny tany rehetra, moa ve efa nisy andriamanitra nahavonjy ny taniny tamin'ny fahefako? Ahoana no hahafahan'i Yaveh mamonjy an'i Jerosalema amin'ny heriko?" 36 Kanefa nangina ny olona ary tsy namaly, satria efa nandidy ny mpanjaka hoe: "Aza mamaly azy." 37 Avy eo Eliakima, zanak'i Hilikia, izay ambony teo amin'ny ankohonana; sy Sebna ilay mpanora-dalàna; ary Joa zanak'i Asafa, ilay mpitan-tsoratra, niditra nankao amin'i Hezekia niaraka tamin'ireo fitafian'izy ireo voatritra, ary nitondra ny tenin'ny lehiben'ny mpifehy taminy.
Tonga mpanjakan'i Joda teo amin'ny toeran'i Ahaza mpanjaka rainy i Hezekia.
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
Anaram-behivavy izany.
Ny hoe "teo imason'i" dia sarinteny ilazana ny fisarihana ny sain'i Yaveh sy ny fiahiany. DH: "Nanao izay marina tamin'i Yaveh i Hezekia Mpanjaka" na "Nanao izay nolazain'i Yaveh fa marina i Hezekia"
Mbola mitohy ny tantaran'ny fanjakan'i Hezekia mpanjaka.
"Nanaisotra ireo toerana avo fivavahana izy, nanapotipotika ireo andry vato, ary nanapaka ireo baon'Aseraha"
"sampy menarana varahina"
Mbola mitohy ny tantara mahakasika ny fanjakan'i Hezekia.
Ny hoe "mifikitra" dia sarinteny ilazana fa tsy nivadika tamin'i Yaveh izy ary niraiki-po taminy. DH: "Tsy mba nivadika tamin'i Yaveh i Hezekia" na "Nijanona nahatoky tamin'i Yaveh i Hezekia"
"na aiza na aiza nalehan'i Hezekia dia dia feno fahombiazana izy."
tanàna voadidina manda.
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
"Koa nandidy ny tafiny ny mpanjakan'i Asyria mba haka ireo Israelita tany an-tranon'izy ireo, ary nataony nonina tany Asyria izy ireo.
Anaran-toerana avokoa ireo.
Anarana vondron'olona izany.
Ny hoe "feo" dia sarinteny ilazana hafatra mikasika ny didin'i Yaveh. DH: "ny didin'i Yaveh"
Anarana lehilahy izany.
Anaran-tanàna izany.
Tanàna voadidina rindrina ho fiarovana. Jereo ao amin'ny 16:6 ny fomba nandikanao ny hoe "tanàna voaaro "
Ny hoe "amiko" eto dia entina ilazana ny fanjakan'i Hezekia. DH: "Esory eto amin'ny faritaniko ny tafikao"
"Ho efaiko na inona na inona angatahinao amiko"
Anarana karazana fandanjana nampiasaina teo amin'ny toeran'ny vola.
Toerana fitehirizana vola sy zavatra sarobidy ao an-dampa.
Naniraka andian'olona avy tao amin'ny tafiny i Sankeriba mba hihaona amin'i Hezekia mpanjaka tany Jerosalema, ary anisan'izany koa ireo manam-boninahitra nantsoina hoe Tartana sy Raba-sarisa.
Ny baiboly sasany dia mandika izany ho anaran-tsamirery. Ireo dikan-teny hafa kosa dia mandika ireo toy ny hoe anarana famantarana. DH: "Ny Tartana ... ny Raba-sarisa" na "ny mpitarika ny miaramila ... manam-boninanitry ny fitsarana"
Anarana tanàna izany.
Fantsona izay fitobian'ny rano miandrona mikoriana mankany antanànan'i Jerosalema.
"ary niandry an'i Hezekia teo mba hihaona amin'izy ireo"
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
Mbola nanohy nilaza tamin'ireo lehilahin'i Hezekia mpanjaka ny hafatra avy tany amin'ny mpanjakan i Asyria i Rabsake.
Tsy niandry valiny akory ny mpanjakan'i Asyria raha nanontany izany fanontaniana izany an'i Hezekia mpanjaka tamin'ny alalan'ny Rabseka mpitondra ny hafany, fa kosa te-hampiahiahy an'i Hezekia mpanjaka sy ny fanohananan'i Egipta izy. DH: "Aza mahatoky an'iza na iza. Hadalanao ny nikomy nanohitra ahy."
Nampitahain'ny mpanjakan'i Asyria tamin'ny tehina malemy, nanantena ianao fa hahazaka ano izany raha mitehina amin'izany ianao, saingy indrisy fa ho tapaka izany ka hanapaka anao. DH: "ny fanohanana malemin'i Egypta"
Eto ilay olona miresaka dia manitatra ny sarinteny amin'ny fanoritsoritana izay hitranga raha toa ka volotara no ampiasaina ho fianteherana. DH: "kanefa raha misy olona mampiasa izany ho fianteherana, dia haratra izy"
Mbola nanohy nilaza tamin'ireo lehilahin'i Hezekia mpanjaka ny hafatra avy tany amin'ny mpanjakan i Asyria i Rabsake.
Napetraka izany fanontaniana izany mba hanasongadinana amin'ireo mpihaino fa efa nitranga avokoa ireo zavatra ireo. DH: "Mila tsaroanareo fa izy ilay olona izay naka ireo toerana avo ... Jerosalema!"
Mbola nanohy nilaza tamin'ireo lehilahin'i Hezekia mpanjaka ny hafatra avy tany amin'ny mpanjakan i Asyria i Rabsake.
Nametraka izany fanontaniana izany izy mba hanehoany fa tsy manana hery hiadiana ny tafik'i Hezekia. DH: "Ireo mety ho dikany dia 1) "Tsy haharesy na dia ny iray amin'ireo miaramila kely indrindran'ny mpanjaka aza ianao." na 2) "Tsy haharesy ny andiana miaramilan'ny mpanjaka amin'ny alalan'ireo manampehefana tsy manan-danja indrindra ianao."
Nametraka izany fanontaniana izany izy mba hanehoany fa Yaveh no ao ambadiky ny fahombiazany mba hankatavany ny baiko handravana an'Israely. DH: "Yaveh mihitsy no niteny taminay mba hankatia ka handrava an'ity tany ity!"
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 18:16 ireo anarana ireo.
Ny hoe "amin'ny sofin'ny" dia sarinteny ilazana ny hoe "afaka mandre". DH: "satria handre izany ny vahoaka izay mijoro ao amin'ny rindrin'ny tanàna ka hatahotra"
Nametraka izany fanontaniana izany izy na dia fantany aza fa fantatr'ireo mpihaino azy ny valin'izany mba hanehoana ny fikasan'izy ireo handrava sy hanala baraka ireo mpitarika sy ny vahoakan'i Jerosalema. DH: "Tsy hihaona aminao sy ny mpanomponaofotsiny ihany no nandefasan'ny tompoko ahy, fa koa hiresaka amin'ny vahoakan'ny tanàna, izay hijaly miaraka aminao rehefa tsy maintsy hihinana ny maloto sy ny amanin'izy ireo mba hivelomana izy ireo."
Ny hoe "ny fahefako" dia ilazana fa manana ny fahefany manokana ny mpanjaka. DH: "amiko" na "amin'ny herin'ny tafiko"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "tsy hamela ny tafiky ny mpanjakan'i Asyria haka ity tany ity mihitsy i Yaveh"
Ny hoe "tanana" dia sarinteny ilazana ny fifehezana, fahefana ary ny hery.
"Mivoaha ao an-tanàna ary mineke ahy"
Ireo loharannon-tsakafo ireo dia samy sariteny ilazana ny filaminana sy ny fahafenoana.
Samy sarinteny ilazana ny fananana zavatra tsara sy fahafenoana eo amin'ny fiainana andavanandro avokoa izany.
Mbola nanohy nilaza tamin'ireo lehilahin'i Hezekia mpanjaka ny hafatra avy tany amin'ny mpanjakan i Asyria i Rabsake.
Nametraka izany fanontaniana izany izy mba hanehoany amin'ny vahoaka fa fantatr'izy ireo ny valin'izany. DH: "Tsy nisy tamin'ireo andriamanitry ny vahoaka no nahavonjy azy ireo teo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria."
Nametraka izany fanontaniana izany izy mba hanehoany amin'ny vahoaka fa fantatr'izy ireo ny valin'izany. DH: "Noravako ireo andriamanitr'i ... Arpada!"
Anaran-toerana izay entina ilazana ireo olona izay monina ao avokoa ireo.
Ny hoe "an-tanako na an-tanana" dia sarinteny ilazana ny fifehezana, hery, na fahefana. DH: "teto amin'ny fifehezako"
Nametraka izany fanontaniana izany izy mba hanehoany amin'ny vahoaka fa fantatr'izy ireo ny valin'izany. DH: "Tsy nisy andriamanitra nahavonjy ny taniny tamin'ny fahefako."
Ny hoe "fahefako" dia sarinteny ilazana ny olona izay manana izany. DH: "tamiko"
Nametraka izany fanontaniana izany izy mba hanehoany amin'ny vahoaka fa fantatr'izy ireo ny valin'izany. DH: "Tsy misy hevitra ahafahan'i Yaveh mamonjy an'i Jerosalema amin'ny heriko"
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
"izay misahana ny lapan'ny mpanjaka"
"ilay mpitahiry tantara"
Avy tamin'ny dikan-teny Hebreo izany. Ny dikan-teny sasany dia manao izany ho anaran-tsamirery hoe: "Rabsake"
1 Ary rehefa ren'i Hezekia Mpanjaka ny tatitr'izy ireo, dia nandrovitra ny akanjony izy, nanao akanjo fisaonana, ary niditra tao an-tranon'i Yaveh. 2 Naniraka an'i Eliakima izay lehiben'ny tandapa izy, sy Sebna ilay mpanora-dalàna, ary ireo lohan'ny mpisorona, samy nitafy ny akanjo fisaonana avokoa, ho any amin'i Isaia zanaka lahin'i Amoza, ilay mpaminany. 3 Dia hoy izy ireo taminy: "Izao no tenin'i Hezekia: 'ity andro ity no andron'ny fahoriana, famaizana, ary fahafaham-baraka, efa mby ho teraka ny zaza, nefa tsy misy hery mba hiterahana azy ireo. 4 Angamba mety ho ren'i Yaveh Andriamanitrao ny teny rehetra nataon'ilay lehiben'ny mpifehy, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony mba hihantsy an'Andriamanitra velona, ary hamaly ireo teny izay efa ren'i Yaveh Andriamanitrao. Koa asandrato ho an'izay sisa mbola eto ny vavakao ankehitriny.'" 5 Ary tonga tany amin'i Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka, 6 ary Isaia nanao tamin'izy ireo hoe: "Lazao amin'ny tomponareo fa: 'Izao no tenin'i Yaveh: "Aza matahotra ny amin'ny teny izay efa renao, izay efa naniratsiran'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Asyria ahy. 7 Indro, hametraka fanahy ao aminy Aho, ary handre siosio izy ka hiverina any amin'ny taniny. Hataoko lavon'ny sabatra ao amin'ny taniny izy."'" 8 Dia niverina ny lehiben'ny mpifehy ary nahita ny mpanjakan'i Asyria niady tamin'i Libna, fa izy efa nandre fa efa niala tao Lakisy ny mpanjaka. 9 Ary Sankeriba nandre fa i Tiraka mpanjakan'i Etiopia sy Egypta dia efa niomana ny hiady aminy, noho izany dia naniraka mpitondra hafatra ho any amin'i Hezekia indray izy hoe: 10 "Lazao amin'i Hezekia mpanjakan'i Joda hoe: 'Aza avela hamitaka anao ny Andriamanitra izay hitokianao ka hanao hoe: "Jerosalema dia tsy homena ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria." 11 Indro, efa renao ny zavatra izay efa nataon'ny mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra tamin'ny famotehana tanteraka ireo. Koa ho voavonjy ve ianao? 12 Efa namonjy azy ireo ve ny andriamanitry ny firenena, ireo firenena izay nopotehin'ny razako: dia i Gozana, Harana, Razefa, ary ny vahoakan'i Edena tao Telasara? 13 Aiza ny mpanjakan'i Hamata, ny mpanjakan'i Arpada, ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima, Hena, ary Iva?'" 14 Voarain'i Hezekia ny taratasy tany amin'ireo mpitondra hafatra ary novakiany izany. Avy eo dia niakatra tany an-tranon'i Yaveh izy ka nanokatra izany teo anoloany. 15 Dia nivavaka teo anatrehan'i Yaveh i Hezekia, ary nanao hoe: "Ry Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, Ianao izay mipetraka eo ambonin'ny kerobima, Ianao no Andriamanitra tokana manerana ny fanjakana rehetra eto an-tany. Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany. 16 Atongilano ny sofinao, ry Yaveh, ary mihainoa. Ahirato ny masonao, ry Yaveh, ka mijere, ary henoy ny tenin'i Sankeriba, izay efa nirahiny mba haniratsira ny Andriamanitra velona. 17 Eny tokoa, ry Yaveh, efa nandrava ireo firenena sy ny taniny tokoa ny mpanjakan'i Asyria. 18 Efa nandoro ny andriamanitr'izy ireo tao anaty afo izy ireo, satria tsy andriamanitra ireo fa asa-tanan'olombelona, hazo sy vato foana ihany. Koa nopotehin'ny Asyriana izy ireo. 19 Koa ankehitriny, ry Yaveh Andriamanitray, mitalaho Aminao aho, vonjeo amin'ny heriny izahay, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra eto an-tany fa Ianao, Yaveh, no Andriamanitra tokana." 20 Ary Isaia zanaka lahin'i Amoza nandefa hafatra tany amin'i Hezekia, nanao hoe: "Yaveh, Andriamanitrin'Israely niteny hoe: 'Satria efa nivavaka tamiko ny amin'i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ianao, dia nihaino anao aho. 21 Izao no teny lazain'i Yaveh mahakasika azy: "Ny zanaka vavy virijinin'i Ziona manao tsinontsinona anao sy mihomehy ho amin'ny fahafaham-baraka. Ny zanaka vavin'i Jerosalema manifikifi-doha aminao. 22 Iza no efa nihantsinao sy notsiratsirainao? Hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao am-pireharehana? Hanohitra ilay Masin'Israely! 23 Tamin'ny alalan'ireo irakao no nihantsianao ny Tompo, ary nanao hoe: 'Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, ny fiakarana avo indrindra tany Libanona. Hokapaiko ny sedera lava sy ny kypreso voafantina ao. Hiditra amin'ny faritra lavitra indrindra aho, ao amin'izay alany mamokatra indrindra. 24 Efa nihady lava-drano aho ary efa nisotro ny ranon'ny firenen-kafa. Efa nandritra ny reniranon'i Egypta rehetra ho eo am-paladiako aho.' 25 Tsy renao ve ny fomba nanomanako izany hatramin'ny ela sy ny niasako izany tamin'ny andro taloha? Ankehitriny dia efa hanatanteraka izany aho. Eo ianao mba handrava ireo tanàna mimanda ho lasa korotam-bato. 26 Ireo mponina ao aminy, izay kely hery, dia torotoro sy menatra. Zava-maniry eny an-tsaha izy ireo, ahi-maitso, ahitra eny ambony tafo na eny an-tsaha, nodorana mialohan'ny nitsiriany. 27 Fa izaho mahalala ny fipetrahanao, ny fivoahanao, ny fidiranao, ary ny fahatezeranao amiko. 28 Nohon'ny fahatezeranao amiko, ary satria rèn'ny sofiko ny fiavonavonanao, dia hametraka ny farangoko amin'ny oronao Aho, ary ao amin'ny vavanao ny lamboridiko; hataoko miverina amin'ny lalana niavianao ianao." 29 Izao no famantarana ho anao: Hihinana zavatra maniry tsinahy ianareo amin'ity taona ity, ary ny taona manaraka dia ny dimbin'izany. Fa amin'ny taona fahatelo kosa dia hamboly sy hioty ianareo, hamboly tanim-boaloboka ka hihinana ny voany. 30 Ny sisa amin'ny taranak'i Joda izay mbola velona dia hamàka indray ka hisondrotra ary hamoa. 31 Fa hisy sisa hivoaka avy any Jerosalema, avy any an-tendrombohitr'i Ziona no hiavian'ireo sisa tsy maty. Ny zotom-pon'i Yaveh tompon'ny maro no hanao izany. 32 Koa izao no lazain'i Yaveh momba ny mpanjakan'i Asyria: "Tsy hiditra amin'ity tanàna ity izy na handefa zana-tsipìka ao. Na ho avy eo anoloany miaraka amin'ny ampinga na hanao fahirano azy. 33 Ny lalana izay niaviany ihany no lalana hivoahany; tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy— izany no fanambaran'i Yaveh." 34 Fa izaho hiaro sy hanavotra ity tanàna ity, noho ny amiko sy ny amin'i Davida mpanompoko.'" 35 Ary tamin'io alina io dia avy ilay anjelin'i Yaveh ary nanafika ny tobin'ireo Asyriana, ka nahafaty miaramila 185. 000. Rehefa nifoha aloha ny olona nony maraina, dia niampatra teny rehetra teny ny fatin'olona. 36 Ka nandao an'Israely i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ary lasa nody sy nipetraka tany Ninive. 37 Taty aoriana, raha nanao fanompoam-pivavahana tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia novonoin'i Andrameleka sy Sarezera zanany lahy tamin'ny sabatra. Avy eo dia nitsoaka tany amin'ny tanin'i Ararata izy ireo. Ary Esara-hadona zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
Fomba hafa ilazana ny "tempolin'i Yaveh" izany.
Anarana lehilahy avokoa ireo.
Naniraka an'i Eliakima ... i Hezekia"
"samy niakanjo akanjo fisaonana avokoa"
Eto ny hoe "andro" dia fibangoan-teny ilazana fe-potoana iray. DH: "Ity no fotoanan'ny fahoriana"
Izany dia sarinteny ilazan fa reraka dia reraka ny vahoaka sy ireo mpitrika azy ireo ka tsy hahavita hiady amin'ny fahavalo.
Ny hoe "teny" dia fibangoan-teny ilazana ny hafatra fonosin'ireo teny. DH: "ny hafatra manontolo"
Izany dia fomba fiteny ilazana ny fivavahana fatratra amin'i Yaveh izay ao ambonintsika. DH: "mivavaha fatratra"
"Hofeheziko ny toetran'ny mpanjakan'i Asyria, ka rehefa mandre tatitra izy, dia te-hiverina any amin'ny fireneny izy"
Eto ny hoe "fanahy" dia ilazana kokoa ny toetrany sy ny heritreriny, fa tsy ny ara-apanahiny akory. DH: "Hitarika ny fomba fisainany aho" na "Hataoko mihevitra zavatra hafa mihitsy izy"
Ny hoe "lavon'ny sabatra" dia sarinteny ilazana ny "voavono." DH: "Hataoko matin'ny sabatra izy" na "Hataoko vonoin'ny lehilahy maromaro amin'ny sabatra izy"
"ny manam-boninahitra avy any Asyria misahana izay eo mbany fahefan'ny mpanjaka"
"nahita fa niady tamin'i Libna ny tafika Asyriana"
Anaran-tanàna tao amin'ny fanjakan'i Joda avokoa ireo.
Anarana lehilahy avokoa ireo.
"nanomana ny tafiny hiady amin'i Asyria"
noho izany dia naniraka ... i Sankeriba"
Nosoratana tamin'ny taratasy izany hafatra izany.
Ity ny hafatra nalefan'i Sankeriba mpanjaka tany amin'i Hezekia mpanjaka.
"Aza mino an'Andriamanitrao izay itokianao. Mandainga izy raha milaza hoe"
Ny hoe "tanana" dia sariteny ilazana ny fifehezana, fahefana na ny hery. DH: "ny fifehezan'ny governemantan'i Asyria"
"Ary efa renao" na "Efa renao tokoa" (UDB). Eto ny hoe "indro" dia nampiasaina mba hisarihana ny saina ny amin'izay holazainy manaraka.
Nametraka izany fanontaniana izany i Sankeriba mba hanehoany fa hahavita hamonjy azy ireo Andriamanitra. DH: "Tsy hamony anao ny Andriamanitrao" na "Tsy hahavita handositra mihitsy ianao"
Mbola mitohy ihany ny hafatra avy any amin'i Sankeriba mpanjaka ho an'i Hezekia mpanjaka.
Izany fanontaniana izany dia maneho fa efa fantatr'i Hezekia ny valiny ary koa manome fanamafisan-kevitra. DH: "Tena tsy namonjy azy ireo tokoa ireo andriamanitr'ireo firenena"
"ireo mpanjakan'i Asyria teo aloha" na "ireo miaramilan'ireo mpanjakan'i Asyria teo aloha" (UDB)
Anaran-toerana avokoa ireo.
Ilay taratasy izay nalefan'i Sankeriba mpanjakan'i Asyria tany amin'i Hezekia no lazaina amin'izany.
Nanohy ny fivavany tamin'i Yaveh i Hezekia mpanjaka taorian'ny nahazoany ilay taratasy avy tany amin'i Sankeriba mpanjakan'i Asyria.
Ireo fehezanteny roa ireo dia samy mamporisika an'i Yaveh mba hihaino ireo zavatra izay lazain'i Sankeriba.
Ny andian-teny hoe "Atongilano ny sofinao" sy ny hoe "mihainoa" dia mitovy ihany ny heviny ary maneho fa fanamafisan-kevitra ny amin'ny fanasongadinana. DH: "Ry Yaveh, mba henoy re izay miseho."
Ny andian-teny hoe "ahirato ny masonao" sy ny hoe "mijere" dia mitoy ny heviny
Efa nodoran'ireo mpanjaka Asyriana avokoa ireo andriamanitr'ireo firenena.
Samy nopotehin'ireo Asyriana ireo firenena sy ireo andriamanitr'izy ireo.
Nanohy ny fivavany tamin'i Yaveh i Hezekia mpanjaka taorian'ny nahazoany ilay taratasy avy tany amin'i Sankeriba mpanjakan'i Asyria.
"Mitalaho Aminao aho"
"amin'ny herin'ny mpanjakan'i Asyria" (UDB) na "amin'ireo miaramilan'ny mpanjakan'i Asyria."
Ny hoe "zanaka vavy virijiny" dia sarinteny ilazana an'i Jerosalema toy ny hoe tanora, feno hery ary tsara tarehy. DH: "Ny vahoaka tsara tarehin'i Jerosalema" Ny fomba fiteny hoe "zanaka vehivavy" dia nampiasain'ireo mpandika baiboly sasany mba hanomezana toetoetra mampiavaka ireo tanàna.
Mitovy ny hevitr'ireo fehezanteny roa ireo.
Ny hoe "zanaka vavy" dia sarinteny ilazana ny vahoakan'i Jerosalema. DH: "Ny vahoakan'ny tanànan'i Jerosalema"
Izany fihetsika izany dia sarinteny ilazana fa nanao tsinontsinona ny fireharehan'ireo Asyriana izy ireo. DH: "manao tsinontsinona anao"
Ny hoe "nampiandrandranao ny masonao am-pireharehana" dia sarinteny ilazana ny fiavonavonana misoritra eny amin'ny endrika. DH: "nijery tam-pireharehana fatratra" (UDB)
Fomba fiteny ilazana an'i Yaveh, Andriamanitr'Israely.
Ity dia mbola manohy ny hafatra nomen'i Yaveh tamin'ny alalan'i Isaia, mpaminany, ho an'i Hezekia Mpanjaka mikasika an'i Sankeriba Mpanjaka. Ahitana fifanindrinan-dalana izany.
Ny matoanteny "mihantsy" dia midika hoe miziriziry tsotra izao na maneso.
Ny tafik'i Sankeriba ihany no hahatanteraka ireo fireharehana izay nataon'i Sankeriba ireo. Ny hoe "...ko" na "aho" eto dia fibangoan-teny entina ilazana ny tafika rehetra eo ambany fifehezany.
Izany dia filaza-masaka ilazana fa afaka miampita ny renirano rehetra izy. "Ary amin'ny famakivakiana ireo rian-dranon'i Egypta, no nandritrantsika ireo!" (UDB)
Ity dia mbola manohy ny hafatra nomen'i Yaveh tamin'ny alalan'i Isaia, mpaminany, ho an'i Hezekia Mpanjaka mikasika an'i Sankeriba Mpanjaka. Ahitana fifanindrinan-dalana izany.
Mba hansongadinana tsara ny tranga dia maneho ity fanontaniana ity fa efa hain'ny mpamaky ny valiny. DH: "Fantatrareo tokoa ny fomba ... andro taloha."
"tanàna izay tsy azo alaina" na "tanàna voadidina rindrina avo" (UDB)
Mitohy ny fampiasana sarinteny fampitahana ireo Asyriana marefo niaram-boina amin'ny zava-maniry marefo amin'ny toerana sarotra haniriana. DH: 1) "toy ny ahitra vao miha-maitso." na 2) "toy ny ahitra vao maniry."
Ity dia mbola manohy ny hafatra nomen'i Yaveh tamin'ny alalan'i Isaia, mpaminany, ho an'i Hezekia Mpanjaka mikasika an'i Sankeriba Mpanjaka. Ahitana fifanindrinan-dalana izany.
"ny fahatezeranao mihiaka ny momba ahy,"
Ny hoe "sofiko" dia sarinteny ilazana ny fihainoana na ny fandrenesana. DH: "satria efa reko ireo teny fieboeboanao,"
Ny masom-by sy ny lamboridy dia sarinteny ilazana ny fifehezan'i Yaveh an'i Sankeriba. DH: "Hitarika anao toy ny biby Aho."
Ny fiverenan'i Sankeriba mody mialohan'ny andreseny an'i Jerosalema dia azo azavaina. DH: "Toy ny natongavanao ihany no hampodiako anao any amin'ny firenenao, ary tsy handresy an'i Jerosalema ianao."
Eto i Isaia dia miresaka amin'i Hezekia Mpanjaka. Mbola ahitana fifanindrinan-dalana izany.
"maniriniry ho azy"
Izany sarinteny izany dia mampitaha fiverenanan'ny sisa tavela amin'ny laoniny amin'ny zava-maniry izay mbola velona ary ahazoana vokatra. DH: 1) "Hamerina amin'ny laoniny ny fiainana sy ny fanambinan'izy ireo ny vahoakan'i Joda sisa velona." 1) "Ho ambininina sy hanana zanaka maro ny vahoaka tavela ao Joda."
"Hampitranga izany ny asa maherin'i Yaveh."
Ity ny fiafaran'ny hafatra avy any amin'i Yaveh ho an'i Hezekia mpanjaka, izay nolazaina tamin'ny alalan'i Isaia. Mbola ahitana fifanindrinan-dalana izany.
"Zana-tsipìka" dia sarinteny ilazana ny fitaovam-piadiana sy ny faharavana. DH: "na hiady eto"
"ary tsy hanangana dongon-tany eo amin'ny rindrin'ny tanàna akory izy ireo mba hahafahan'izy ireo manafika ny tanàna." (UDB)
Amin'i Yaveh ny hoe "manambara" dia midika hoe mampanantena na mantanteraka izay nolazainy fa ho ataony.
"nohon'ny maha izaho ahy sy noho izay nampanantenako an'i Davida Mpanjaka, izay nanompo ahy tokoa." (UDB)
"Tamin'ny"
"Rehefa nifoha ireo olona sisa velona ny maraina"
Anaran'olona avokoa ireo.
1 Ary tamin'izany andro izany dia narary efa ho faty i Hezekia. Ka nanatona azy i Isaia zanak'i Amosa, ilay mpaninany, ary niteny taminy hoe: "Hoy i Yaveh: '"Arindrao ny tranonao; fa ho faty ianao, ary tsy ho velona.'" 2 Dia nitodika nanatrika ny rindrina i Hezekia ary nivavaka tamin'i Yaveh izy nanao hoe: 3 "Mba miangavy re, ry Yaveh oh, mba tsarovy ny nandehanako am-pahatokiana teo amin'ny anatrehanao tamin'ny foko manontolo, sy ny nanaovako ny tsara teo imasonao." Ary nitomany mafy i Hezekia avy eo. 4 Mialohan'ny nivoahan'i Isaia teo afovoan'ny tokotany, dia tonga taminy ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 5 "Miverena, ary ilazao i Hezekia, ilay mpitarika ny oloko hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh, Andriamanitr'i Davida razambenao: "Efa reko ny vavakao, ary hitako ny ranomasonao. Hanasitrana anao Aho amin'ny andro fahatelo, ary hiakatra any an-tranon'i Yaveh ianao. 6 Ho ampiako dimy ambin'ny folo taona ny andro hiainanao, ary ho vonjeko amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria ianao sy ity tanàna ity, ary ho arovako ity tanàna ity nohon'ny amiko sy nohon'ny amin'i Davida mpanompoko."'" 7 Koa hoy Isaia hoe: "Makà fehezan'aviavy." Dia nanao izany izy ireo ary napetrany tamin'ny vai-ny izany, dia sitrana izy. 8 Hoy i Hezekia tamin'i Isaia: "Inona no famantarana fa hositranin'i Yaveh aho, sy ny tokony hiakarako any amin'ny tempoliny amin'ny andro fahatelo?" 9 Namaly Isaia hoe: "Izao no famantarana ho anao avy amin'i Yaveh, fa i Yaveh dia hanao izay zavatra nolazainy. Tokony handroso dingana folo ve ny aloka, sa hihemotra dingana folo?" 10 Namaly i Hezekia: "Mora ho an'ny aloka ny handroso dingana folo. Tsia! avelao hihemotra dingana folo ny aloka." 11 Ka niantsoantso an'i Yaveh i Isaia mpaminany, ary nentiny nihemotra dingana folo ny aloka, avy tany amin'ny nihetsehany teo amin'ny tohotr'i Ahaza. 12 Tamin'izany fotoana izany i Merodaka Baladana zanak'i Baladana mpanjakan'i Babylona dia nandefa taratasy sy fanomezana tany amin'i Hezekia, satria reny fa narary i Hezekia. 13 Nihaino izany taratasy izany i Hezekia, ary nasehony ireo mpitondra hafatra ny lapa rehetra sy ny zava-tsarobidiny, ny volafotsy, ny volamena, ny zava-manitra sy ny menaka sarobidy, ary koa ny trano fitehirizany ny fitaovam-piadiany, izany rehetra izany dia hita tao amin'ny trano fitehirizany. Tsy nisy zavatra izay tsy nasehon'i Hezekia azy ireo tao an-tranony, na tao amin'ny fanjakany. 14 Ary Isaia mpaminany nankany amin'i Hezekia Mpanjaka ary nanontany azy hoe: "Inona no nolazain'ireny lehilahy ireny taminao? Avy aiza izy ireny?" Hoy i Hezekia: "Avy any an-tany lavitra any Babylona izy ireo." 15 Nanontany i Isaia hoe: "Inona no hitan'izy ireo tao an-tranonao?" Namaly i Hezekia hoe: "Hitan'izy ireo avokoa ny zavatra rehetra tato an-tranoko. Tsy nisy tamin'ireo zava-tsarobidiko tsy nasehoko azy ireo." 16 Ka hoy Isaia tamin'i Hezekia: "Henoy ny tenin'i Yaveh: 17 'Indro, efa ho avy ny andro hitaomana ny zavatra rehetra eo amin'ny lapanao mankany Babylona, dia ireo zavatra notehirizin'ny razambenao hatramin'izao andro izao. Tsy misy na inona na inona ho tavela, hoy i Yaveh. 18 Ny zanaka lahy teraka avy aminao, izay notaizainao manokana_ho alain'izy ireo izany, ary ho lasa tandapa ao amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona izy ireo.'" 19 Ary hoy i Hezekia tamin'i Isaia: "Tsara ny tenin'i Yaveh izay nolazainao." Satria nihevitra izy hoe: "Tsy hisy fiadanana sy filaminana ve izany amin'ny androko?" 20 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Hezekia, sy ny heriny rehetra, ary ny nanaovany ny farihy sy ny lakan-drano, ary koa ny nitondrany rano tao amin'ny tanàna—moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany? 21 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Hezekia, ary i Manase zanany lahy no nandimby azy teo amin'ny toerany.
"Trano" dia sarinteny ilazana izay eo ambany fifehezan'i Hezekia. DH: "Omeo ny ankohonanao sy ny governemanta ireo toromarika farany"
Izany dia fomba fiteny iraisana, mba handresen-dahatra an'i Yaveh mba hahatsiaro. DH: "tadidio"
Ny matoanteny "mamdeha" eto dia sarinteny ilazana ny fizotry ny fiainana. DH: "niainako ny fiainako"
Eto ny hoe "imaso-" dia ilazana ny fomba fitsarana na tomban'ezaka. DH: "teo amin'ny fitsaranao"
Ny "teny" eto dia sarinteny ilazana ny hafatr'i Yaveh izay nambara tamin'i Isaia. Izany dia fomba fiteny iraisana. DH: "Nilaza ny teniny i Yaveh"
Manamafy ilay fizarana voalohany ilay fizarana faharoa mba hahazoana hafatra amin'ny fampiasana fifanindrinan-dalana. DH: "Efa reko ireo vavakao ary hitako ireo ranomasonao."
"roa andro aorian'ny anio" (UDB) Ny andro voalohany no nitenenan'i Isaia izany, izany hoe mitovy amin'ny hoe "amin'ny andro fahatelo" ihany ny hoe "roa andro aorian'ny anio."
Mitohy ny hafatr'i Yaveh ho an'i Hezekia Mpanjaka amin'ny alalan'i Isaia mpaminany.
"15 taona"
"Tanana" dia sarinteny ilazana ny hery, fahefana ary ny fifehazana. DH: "amin'ny fifehezan'ny mpanjakan'i Asyria"
"feta natao tamin'ny aviavy nampangotrahina" (UDB)
"Nanao izany i Hezekia mpanompo ary nametraka ny feta teo amin'ilay feriny"
Azo ambara mazava ny niavian'ny hoe "ny aloka." DH: "Tianao hahatonga aloka avy amin'ny taratry ny masoandro eo amin'ny tohotra mba handrosoana dingana folo na mihemotra dingana folo ve i Yaveh?"
Ity fomba fiteny ity dia manondro ireo "tohotr'i Ahaza" ao amin'ny 20:10. Mety hoe tohotra namboarina manokana ho an'i Ahaza mpanjaka izany. Ary amin'izany no anamarihana ny ora amin'ny andro mazava araka fandrosoan'ny taratry ny masoandro manaraka izany. Amin'izany fomba izany, no ahafahan'ny mpiambina tohotra milaza ny ora mandritra ny andro.
Azo azavaina ny hoe "mora." "Mora ny mampandroso dingana folo ny aloka, satria zavatra efa fanaony izany."
Ity fomba fiteny ity dia manondro ireo "tohotr'i Ahaza" ao amin'ny 20:10. Mety hoe tohotra namboarina manokana ho an'i Ahaza mpanjaka izany. Ary amin'izany no anamarihana ny ora amin'ny andro mazava araka fandrosoan'ny taratry ny masoandro manaraka izany. Amin'izany fomba izany, dia ny zana-tohotra ny fitaovana nampiasaina ahafantarana ny ora mandritra ny andro. DH: "ireo an-tanan-tohotra izay namboarina ho an'i Ahaza mpanjaka"
Anaran'ny mpanjakan'i Babylona sy ny zanany lahy ireo.
1) "nihevitra tsara izany taratasy izany" na 2) "nandre ny hafatra avy tany amin'ny mpanjakan'i Babylona"
Nampiasaina izany fanitarana izany mba ho fanamafisana. DH: "Nasehon'i Hezekia azy avokoa ny zava-drehetra tao an-tranony sy tao amin'ny fanjakany rehetra."
Ireo lehilahy izay nalefa tany amin'i Hezekia mpanjaka niaraka tamin'ny hafatra sy ireo fanomezana avy tany amin'i Merodaka Baladana no tiana ho lazaina amin'izany.
Naverin'i Hezekia tamin'ny fomba roa samy hafa izany mba hanamafisany ny tiany hambara.
Nampiasaina izany fanitarana izany mba ho fanamafisana. DH: "Nasehoko azy ireo avokoa ny zavatro sarobidy rehetra."
Azo azavaina ny zavatra nolazain'i Isaia. DH: "Koa satria fantatr'i Isaia fa hadalana ny nampisehoan'i Hezekia ireo olona ny zavany sarobidy rehetra"
"Teny" dia fibangoan-teny ilazana ny hafatra izay hita amin'izany. DH: "ny hafatr'i Yaveh"
"Henoy aho, indray androany dia ho avy ny fotoana," ny hoe "indro" dia nampiasaina mba hisarihana ny sain'i Hezekia ny amin'izay ho lazain'i Isaia.
Izany dia fibangoan-teny ilazana fotoana iray tsy voafaritra.
"Satria nihevitra i Hezekia hoe"
Nametraka izany fanontaniana izany i Hezekia mba hanamafisana sahady ny aliny. DH: "Azo antoka fa hisy fiavanana sy filaminana amin'ny androko."
Toerana kely fitehirizana rano
Fantsona fandehanan'ny rano
Napetraka izany fanontaniana izany mba ho fampahatsiahivana ny mpamaky fa voarakitra an-tsoratra avokoa ireo zavatra ireo. Jereo ao min'ny 8:22 ny fomba nandikanao izany. DH: "Voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda avokoa ireo."
1 Roa ambinifolo taona i Manase no nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny dimy amby dimam-polo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran'ny reniny dia i Hefziba. 2 Efa nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka ireo zavatra maharikorikon'ny firenena izay noroahin'i Yaveh teo anatrehan'ireo Israely. 3 Fa namerina nanorina ireo toerana avo izay nosimbain'i Hezekia rainy izy, ary nanorina ireo alitara ho an'i Bala, nanao baon'Aseraha iray, tahaka nataon'i Ahaba mpanjakan'Israely, ary niankohoka tamin'ireo kintan'ny lanitra rehetra ka nanompo ireo. 4 Manase dia nanorina alitara fanompoan-tsampy tao an-tranon'i Yaveh, na dia nandidy aza i Yaveh hoe: "Ho mandrakizay ao Jerosalema ny anarako." 5 Nanorina ireo alitara ho an'ny kintan'ny lanitra rehetra izy tao amin'ireo kianja roan'ny tranon'i Yaveh. 6 Nataony tao anaty afo ny zanany; sady nanandro sy nanao sikidy ary naka hevitra tamin'ireo izay miresaka amin'ny maty sy ireo izay miresaka amin'ny fanahy izy. Nanao ratsy maro teo imason'i Yaveh izy ary nihantsy an'Andriamanitra tamin'ny fahatezerany. 7 Ny sary sokitr'i Astarta izay nataony, dia napetrany tao an-tranon'i Yaveh izany. Ka momba izany trano izany no niresahan'i Yaveh tamin'i Davida sy Solomona zanany; hoy izy hoe: "Tato amin'ity trano ity ary tao Jerosalema, izay nosafidiako tamin'ireo fokon'Israely rehetra, no hametrahako ny anarako mandrakizay. 8 Ary tsy hampirenireny ny tongotr'Israely hivoaka amin'ny tany izay nomeko ny razan'ireo intsony Aho, raha manakatò tsara ireo rehetra izay nandidiako izy ireo, ary hanaraka ny lalàna rehetra izay nandidian'i Mosesy mpanompoko azy ireo." 9 Fa tsy nihaino ireo vahoaka, ary i Manase no nitarika azy ireo hanao ratsy mihoatra noho ireo firenena izay noravan'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely. 10 Dia niresaka tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompony i Yaveh, nanao hoe: 11 "Satria i Manase mpanjakan'i Joda dia nanao ireo zavatra maharikoriko ireo, ary nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon'ireo Amorita izay nanao izany talohany, ary nampanota an'i Joda ihany koa tamin'ireo sampiny, 12 noho izany i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely, niteny izao: Indro, hahatonga loza toy izany eo amin'i Jerosalema sy Joda Aho ka izay rehetra mandre izany, dia hangorintsina ny sofiny roa. 13 Haninjitra ny tady fandrefesana ampiasaina hanoherana an'i Samaria amin'i Jerosalema aho, ary ny pilao fandrefesana ampiasaina hanoherana ny fianakavian'i Ahaba; hanadio an'i Jerosalema, tahaka ny olona manadio sakafo, mikosoka izany ary manodikodina izany ambony ambany aho. 14 Hanipy ireo lovako sisa tavela aho ary hanome izany ho eo am-pelatanan'ny fahavalon'izy ireo. Ho tonga niharam-boina sy babon'ireo fahavalony rehetra izy ireo, 15 satria efa nanao izay ratsy teo imasoko izy ireo, ary nihantsy ahy tamin'ny fahatezerana, hatramin'ny andro nivoahan'ny razam-ben'izy ireo avy tao Egypta, mandraka androany." 16 Fanampin'izany, i Manase dia nandatsa-drà tsy manan-tsiny maro be, mandra-pahafenoiny fahafatesana tamin'ny iray hatramin'iray hafa an'i Jerosalema. Izany dia fanampin'ny fahotana izay nampanotany an'i Joda, rehefa nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ireo. 17 Ary raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Manase, izay rehetra nataony, ary ny fahotana izay nataony, moa ve tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda izany? 18 Dia nodimandry tany amin'ireo razany ary nalevina tao amin'ny zaridainan'ny tranony ihany i Manase, tao an-jaridainan'i Oza. Ary i Amona zanany no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 19 Teo amin'ny faharoa amby roapolo taonany i Amona no nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny roa taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia i Mesolemeta; zanaka vavin'i Haroza avy any Jotba. 20 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka ny nataon'i Manase rainy. 21 Nanaraka ireo lalana rehetra izay nandehanan'ny rainy ary nanompo ireo sampy izay notompoin'ny rainy, ary niankohoka amin'izy ireo i Amona. 22 Nandao an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razany izy, ary tsy nandeha tamin'ny lalan'i Yaveh. 23 Ireo mpanompon'i Amona dia nitetika hanohitra azy ary namono ny mpanjaka tao an-tranony ihany. 24 Fa ireo vahoakan'ny tany dia namono izay rehetra nitetika hanohitra an'i Amona mpanjaka, ary izy ireo no nanao an'i Josia zanany lahy ho mpanjaka teo amin'ny toerany. 25 Raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika izay nataon'i Amona, moa ve tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda izany? 26 Ireo vahoaka dia nandevina azy tao amin'ny fasany tao an-jaridainan'i Oza, ary i Josia zanany no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
Renin'i Manase Mpanjaka
Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fitsarany sy ny fomba fanapahany hevitra amin'ny zavatra sarobidy iray. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:1 izany. DH: "izay zavatra nolazain'i Yaveh fa ratsy" na "izay zavatra noheverin'i Yaveh fa ratsy"
Ny mety ho dikany iray hafa dia "anisan'izany ireo zavatra maharikoriko-"
namerina nanorina ... i Manase
Mitohy ny tantaran'ny fitondràn'i Manase Mpanjaka.
DH: "Ao Jerosalema ny toerana hampahafantarako ny maha izaho ahy."
Midika izany fa nanorina ireo alitara ireo izy mba hahafahan'ny vahoaka manao sorona sy midera ireo kintana. DH: "Nanorina alitara teo amin'ireo kianja roan'ny tranon'i Yaveh izy mba hahafahan'ny vahoaka midera ireo kintana sy manolotra sorona ho azy ireo"
Azonao atao ny manazava ny antony nanaovany ny zanany tao anaty afo sy ny zava-nitranga rehefa avy nanao izany izy. DH: "Nodorany ho faty ny zanany mba ho fanatitra ho an'ireo andriamaniny."
"naka fampahafantarana avy amin'..."
Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fitsarany sy ny fomba fanapahany hevitra amin'ny zavatra sarobidy iray. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:1 izany. DH: "Nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy izy" na "Nanao izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy"
Mitohy ny tantaran'ny fitondràn'i Manase Mpanjaka.
Mety tsy i Manase mivantana no nanao ny asa. Ireo mpanompony no nanao ny asa. DH: "izay nandidian'i Manase mba ho ataon'ireo mpanompony"
"no tiako hideran'ny olona ahy mandrakizay"
Ny teny hoe "tongotra" eto dia fibangoan-teny ilazana ny olona. DH: "ireo Israelita"
Eto ny hoe "firenena" dia ilazana ny vahoaka izay nonina teo amin'ny tany Kananata lohan'ny nahatongavan'ireo Israelita. DH: "mihoatra noho ireo olona izay naringan'i Yaveh raha nandroso nankao amin'ny tany ny Israely"
Mazava eto fa ireo mpaminany no mintantara ny zava-misy. Ny mety ho heviny iray hafa koa dia: Tahaka ny olona hafa no nilazan'i Yaveh ny tenany raha niteny izy hoe: "tamin'ireo sampiny, noho izany i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely, niteny izao: Indro..."
Ny fahatsapana ara-batana eto dia sarinteny ilazana fihetseham-po izay aterak'izany. DH: "ireo izay mandre izay ataon'i Yaveh, dia ho tohina"
Ny hoe "tady fandrefesana" sy ny hoe "pilao fandrefesana" dia sarinteny nampiasain'i Yaveh hitsarana ny olona. DH: "hitsara an'i Jerosalema amin'ny fampiasana ny fitaovam-pandrefesana nampiasaiko tamin'izaho nitsara an'i Samaria sy ny ankohonan'i Ahaba aho"
Samaria no renivohitry ny tanàna ary ny vahoaka rehetra ao amin'ny fanjakan'Israely no tiana ho lazaina amin'izany. DH: "hanoherana ny vahoakan'Israely"
Fitaovana vita amin'ny zavatra mavesatra ary misy tady manify mihazona azy, ampiasaina rehefa manangana rindrina mba hahitana rha mahitsy tsara ny rindrina.
Eto ny hoe "ankohonana" dia ilazana ny fianakaviana. DH: "ny fianakavian'i Ahaba"
"Hilaozako" (UDB) na "holaviko"
"hamela ireo fahavalony handresy azy ireo sy haka ny tanin'izy ireo"
"Ary koa"
Ny andian-teny hoe "nandatsa-drà tsy manan-tsiny maro be" dia sarinteny ilazana ny famonoana olona an-kerisetra. Tena tsara raha adika mazava izany mba hahazoan'ny mpamaky fa nisy olona hasa nanampy an'i Manase nanao izany. DH: "Nobaikon'i Manase hamono ireo tsy mana-tsiny maro be ny miaramilany"
Izany filaza-masaka izany dia manamafy ny hamaron'ny vahoakan'i Manase izay namono olona manerana an'i Jerosalema. DH: "nisy olona maty be dia be nanerana an'i Jeorsalema"
Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fitsarany sy ny fomba fanapahany hevitra amin'ny zavatra sarobidy iray. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:1 izany. DH: "izay zavatra nolazain'i Yaveh fa ratsy izy" na "izay zavatra noheverin'i Yaveh fa ratsy izy"
Napetraka izany fanontaniana fampisainana izany mba ho fanamafisana. Jereo ao amin'ny 8:22 ny fomba nandikana izany. DH: "voasoratra ... Joda izany." na "Azonao atao ny mamaky izany ... Joda."
Izany dia fomba mihaja ilazana fa "maty, tahaka ireo razany izy ary"
Ireo mety ho heviny dia: 1) izany zaridaina izany tany aloha dia an'ilay olona nantsoina hoe Oza" na 2) "Zaridaina Oza"
Anarana lehilahy izany.
Anarana lehilahy avokoa ireo.
Anaram-behivavy izany.
Anaran-tanàna izany.
Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fitsarany sy ny fomba fanapahany hevitra amin'ny zavatra sarobidy iray. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:1 izany. DH: "izay zavatra nolazain'i Yaveh fa ratsy izy" na "izay zavatra noheverin'i Yaveh fa ratsy izy"
"nandeha tamin'ny lalana rehetra izay nandehanan'ny rainy." Ny fomba fiainan'ny olona iray dia resahina toy ny hoe nandeha tamin'ny lalana iray izany olona izany. DH: "niaina tanteraka ny fomba izay niainan'ny rainy"
"Niala tamin'i Yaveh" na "Tsy nihaino an'i Yaveh intsony"
"nanao drafitra ary niara-niasa mba hamelezana azy"
Filazana amin'ny ankapobeny ihany izany. DH: "ny sasany tamin'ny vahoaka tany Joda"
"nanao drafitra ary niara-niasa mba hamelezana azy." Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 21:21 izany.
Napetraka izany fanontaniana fampisainana izany mba ho fanamafisana. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 8:22 izany. DH: "voasoratra ... Joda izany." na "Azonao atao ny mamaky izany ... Joda."
Ireo mety ho heviny dia: 1) izany zaridaina izany tany aloha dia an'ilay olona nantsoina hoe Oza" na 2) "Zaridaina Oza." Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 21:16 izany.
1 Valo taona i Josia no nanomboka nanjaka; iraika amby telopolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Jedida no anaran'ny reniny (zanaka vavin'i Adaia avy any Bozkata). 2 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy. Nandeha tamin'ireo lalana rehetran'i Davida razambeny izy, ary tsy nivily lalana niankavia na niankavanana. 3 Ary teo amin'ny fahavalo ambin'ny folo taonan'i Josia Mpanjaka, dia nandefa an'i Safana zanak'i Azalia zanak'i Mesolama, ilay mpanora-dalàna, tany an-tranon'i Yaveh izy, nanao hoe: 4 "Miakara any amin'i Hilkia ilay mpisorona be ary lazao izy mba hanisa ny vola izay nentina tany an-tranon'i Yaveh, izay nangonin'ny mpiandry ny tempoly tamin'ny vahoaka. 5 Aoka izany homena eo an-tanan'ny mpiasa izay miandraikitra ny tranon'i Yaveh, ary aoka izy ireo hanome izany an'ilay mpiasa izay ao an-tranon'i Yaveh, mba hanamboarana izay simba ao amin'ny tempoly. 6 Aoka izy ireo hanome vola ho an'ireo mpandrafitra, ireo mpanori-trano, ary mba hividy hazo sy vato voapaika ihany koa mba hanamboarana ny tempoly." 7 Fa tsy ho takiana amin'izy ireo ny antontan'ny vola, satria mampiasa izany am-patokiana izy ireo. 8 Hoy i Hilkia mpisorona be tamin'i Safana mpanora-dalàna hoe: "Hitako tao amin'ny tranon'i Yaveh ny bokin'ny lalàna." 9 Ka nomen'i Hilkia an'i Safana ny boky, ary namaky izany izy. Lasa i Safana ary naka ny boky teny amin'ny mpanjaka, ary hitatitra aminy ihany koa, manao hoe: "Ireo mpanomponao dia nandany ny vola izay hita tao an-tempoly ary natolotr'izy ireo teo an-tanan'ireo mpiasa izay manara-maso ny fikarakarana ny tranon'i Yaveh izany." 10 Dia hoy i Safana mpanora-dalàna tamin'ny mpanjaka: "Hilkia mpisorona no nanome ahy ny boky." Ary novakian'i Safana tamin'ny mpanjaka izany. 11 Ary rehefa nandre ireo tenin'ny lalàna ny mpanjaka, dia nandriatra ny akanjony izy. 12 Nandidy an'i Hilkia mpisorona, sy Ahikama zanak'i Safana, i Akbora zanak'i Mikaia, Safana ilay mpanora-dalàna, ary i Asaia, ilay mpanompony, ny mpanjaka, ka nanao hoe: 13 "Mandehana ary miresaha amin'i Yaveh ho ahy, ary ho an'ireo vahoaka sy ireo Joda rehetra, noho ireo tenin'ity boky izay hita ity. Fa mafonja ny hatezeran'i Yaveh izay mirehitra amintsika nohon'ny tsy fihainoan'ireo razambentsika ireo tenin'ity boky ity dia ny hoe hankatò izay rehetra voasoratra momba antsika." 14 Noho izany i Hilkia mpisorona, Ahikama, Akbora, Safana, ary i Asaia no nandeha nankany amin'i Holda ilay mpaminany vavy, vadin'i Saloma zanak'i Tikva zanak'i Harasa, ilay mpikarakara ny fitafiana (nipetraka tao Jerosalema tao amin'ny faritra faharoa izy), ary niresaka taminy izy ireo. 15 Hoy ravehivavy tamin'izy ireo: "Izao no nolazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely: 'Lazao ny olona izay nandefa anareo aty amiko hoe: 16 "Izao no lazain'i Yaveh: 'Indro, hitondra loza amin'ity toerana ity sy ireo mponiny Aho, araka ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny boky izay novakian'ny mpanjakan'i Joda. 17 Satria nahafoy Ahy ary nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanitra hafa izy reo, mba hiantsy Ahy ho tezitra amin'ireo asa rehetra izay nataon'izy ireo-- noho izany ny hatezerako dia nirehitra tamin'ity toerana ity, ary tsy ho faty izany."' 18 Fa ho an'ny mpanjakan'i Joda, izay nandefa anao mba hanontany ny sitrapon'i Yaveh, dia izao no ho lazainao aminy: "Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely nilaza izao: "Momba ireo teny izay renao, 19 satria tso-po ianao, ary satria nanetry tena teo anatrehan'i Yaveh ianao, rehefa renao izay nolazaiko tamin'ity toerana ity sy ireo olony, fa ho tonga faharavana sy ozona izy ireo, ary satria ianao dia nandriatra ny akanjonao ary nitomany teto anatrehako, dia nihaino anao ihany koa Aho—izany no fanambaran'i Yaveh. 20 Indro, hanambatra anao amin'ireo razanao Aho, ary handry am-piadanana ao am-pasanao ianao. Tsy hahita ireo loza rehetra izay ho entiko amin'ity toerana ity ny masonao.""" Koa dia nentin'ilay lehilahy tany amin'ny mpanjaka izany hafatra izany.
"31 taona"
Anaram-behivavy.
Anaran-dehilahy
Anarana renivohitra any Joda izany.
Eto ny hoe "imaso" dia ilazana ny heritreritr'i Yaveh na na izay fomba fiheverany mikasika ny zavatra iray. DH: "Nanao izay noheverin'i Yaveh fa marina izy" na "Nanao izay marina amin'i Yaveh"
Ny fitondran-tenan'i Josia tahaka an'i Davida dia resahina toy ny hoe nandeha tamin'ny lalana izay nandehanan'i Davida izy. DH: "Niaina ny fomba fiainana'i Davida razany izy" na "Nanaraka ny ohatr'i Davida razany izy"
Ny fankatoavana tanteraka an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lalana mahitsy iray ary tsy mivily amin'izany mihitsy. DH: "tsy nanao zavatra izay tsy nankasitrahan'i Yaveh izy" na "nankatò tanteraka ireo lalàn'i Yaveh rehetra izy"
Raha manana fomba ilazana izany amin'ny fiteninao ianao ho mariky ny fanombohana fizarana vaovao, dia azonao atao ny mampiasa izany eto.
"faha 18 taona"
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
Eto ny hoe "tranon'i Yaveh" sy ny "tempoly" dia mitovy ny heviny.
Ny teny hoe "miakara" dia nampiasaina satria amin'ny toerana avo nohon'ny toerana nisy an'i Josia no nisy tempolin'i Yaveh. DH: "Mandehana any amin'i Hilkia"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "izay nentin'ilay mpiandry tempoly izay nanangona ny vola avy tamin'i vahoaka tao an-tempolin'i Yaveh"
Eto ny hoe "tanana" dia ilazana ireo olona mpikarama manontolo. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Teneno i Hilika mba hanome ny vola an'ireo mpikarama"
Mitohy ny hafatra avy any amin'i Josia Mpanjaka ho an'i Hilika, mpisoronabe.
Ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo mpikarama misahana ny tranon'i Yaveh ao amin'ny 22:3.
Ireo mpikarama izay misahana ny tranon'i Yaveh ao amin'ny 22:3 ihany no tiana ho lazaina amin'ireo. Eto dia ireo mpikarama dia voazava amin'ny an-tsipiriany.
mpiasa manao ny fananganana amin'ny hazo.
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "tsy voatery nanao tatitra ny fomba nitantanan'izy ireo ny vola izay nomen'ireo mpiandry tempoly azy ireo mpikarama izay nisahana izany.
"satria nampiasa izany tamin'ny fahitsiana izy ireo"
Anaran-dehilahy izany. Jereo ao amin'ny 18:16 ny fomba nandikanao izany.
Tamin'izany vanim-potoana izany dia tao anaty horonan-taratasy no nanoratana ireo lalàna ireo fa tsy mbola nisy boky tamin'izany.
Eto ny hoe "tanana" dia ilazana ireo olona mpikarama manontolo. DH: "natolotr'izy ireo an'ny mpiasa"
Raha manana fomba ilazana izany amin'ny fiteninao ianao ho mariky ny fanombohana fizarana vaovao, dia azonao atao ny mampiasa izany eto.
Eto ny hoe "teny" dia ilazana ny ahafatra hita ao amin'ny lalàna. DH: "nandre ireo lalàna izay voasoratra ao amin'ny boky" na "nandre ireo lalàna izay voasoratra ao amin'ny horonan-taratasy"
Izany fihetsika izany dia famantarana entina anehoana ny fahoriana sy alahelo lehibe.
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
Izany dia efa voazava tsara ao amin'ny 22:14 fa naka ny hevitr'i Yaveh tamin'ny alalan'ilay mpaminany vavy ireo ol0na mba hahafantarana ny sitrapon'i Yaveh.
mankany amin'ny olona mba haka torohevitra.
Eto ny hoe "teny" dia ilazana ireo lalàna. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "ireo lalàna tao anaty boky izay hitan'i Hilkia"
Resahina toy ny hoe afo mandoro ny fahatezeran'i Yaveh. DH: "Fa tezitra mafy amintsika i Yaveh"
Ny lalàna izay nomena an'Israely no tiana ho lazaina amin'izany. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Izay rehetra nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna ka tokony ho ataontsika" na "ny lalàna rehetra izay nomen'Andriamanitra ny vahoakan'Israely tamin'i alalan'i Mosesy"
Anaram-behivavy izany.
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
Ireo mety ho heiny dia 1) ny olona izay mikarakara ny akanjo izay anaovan'ireo mpisorona ao an-tempoly, na 2) ny olona izay miakarakara ny akanjon'ny mpanjaka.
Eto ny hoe "faritra faharoa" dia ilazana ny faritra vaovao ao amin'ny tanàna izay nahorina any amin'ny ilany avaratr'i Jerosalema. Ary koa, ny hoe "faharoa" dia azo avy amin'ny laharan'isa 2. DH: "nipetraka tao Jerosalema tao amin'ny faritra vaovao ao amin'ny tanàna" na "nipetraka tao amin'ny faritra vaovao ao Jerosalema izy"
Eto ny hoe "ny olona" dia manondro an'i Josia Mpanjaka.
Hahatonga zavatra mahatsiravina hitranga i Yaveh. DH: "hahatonga zavatra mahatsiravina hitranga amin'ity toerana ity sy amin'ireo izay monina ao Aho"
Ny tanànan'i Jerosalema izay misolo ny toeran'i Joda manontolo no tiana ho lazaina amin'izany. DH: "amin'i Jerosalema" na "amin'i Joda"
Mitohy ny hafatr'i Yaveh ho an'i Josia Mpanjaka tamin'ny alalan'i Holda, mpaminany vavy.
Resahina toy ny afo mandoro sy tsy mety maty ny fahatezarana mafin'i Yaveh. DH: "tahaka ny afo mandoro izay tsy mety maty ny fahatezerako amin'ity toerana ity"
Eto ny hoe "toerana" dia ilazana ny vahoaka izay monina ao Jerosalema sy ao Joda. DH: "ireo vahoaka ireo"
Eto ny hoe "teny" dia ilazana ny hafatra izay ambaran'i Holda. DH: "Momba ny hafatra izay renao"
Eto ny "fo" dia ilazana ny ao anatin'ny olona. Ny fahatsapana fa diso dia resahina toy ny hoe tro-po. DH: "satria nahatsapa ianao fa diso" na "satria nibaboka ianao"
Azo avadika ho matoanteny na mpamari-toetra ny hoe "faharavana" sy ny hoe "ozona." DH: "fa hanozona azy ireo Aho ary hahatonga ny tany ho faharavana"
Izany fihetsika izany dia famantarana entina anehoana ny fahoriana sy alahelo lehibe.
Eto i Yaveh dia milaza ny tenany toy ny hoe olona hafa. DH: "Izany no nambarako"
Ity ny fiafaran'ny hafatra avy amin'i Yaveh ho an'i Josia Mpanjaka tamin'ny alalan'i Holda mpaminany vavy.
Iray ihany ny hevitra fonosin'ireo andian-teny roa ireo. Ireo dia samy fomba mihaja ilazana fa maty izy. DH: "Henoy, hamela anao handry am-piadanana Aho"
Eto ny "maso" dia ilazana ilay olona manontolo. Ary ny hoe "tsy hahita" dia midka fa tsy hiaina izany izy. DH: "ary tsy hiaina ... ianao"
Hahatonga zavatra mahatsiravina hitranga i Yaveh. DH: "ireo zava-doza izay hataoko mitranga amin'ity toerana ity"
1 Dia naniraka mpitondra hafatra izay nampivory teo aminy ireo loholon'i Joda sy Jerosalema rehetra ny mpanjaka. 2 Dia niakatra tao an-tranon'i Yaveh ny mpanjaka, sy ireo olon'i Joda rehetra ary ireo mponin'i Jerosalema rehetra niaraka taminy, sy ireo mpisorona, ireo mpaminany, ary ireo vahoaka rehetra, hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe. Novakiany teo an-tsofin'izy ireo ny tenin'ny bokin'ny Fanekena rehetra izay hita tao an-tranon'i Yaveh. 3 Nijoro teo akaikin'ny andry ny mpanjaka ary nanao fanekena teo anatrehan'i Yaveh, mba hanaraka an'i Yaveh sy hitandrina ireo didiny, ireo fitsipiny, ary ireo lalàny, amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, mba hanamafy ireo tenin'izany fanekena izany izay voasoratra ao amin'ity boky ity. Ka dia nanaiky hankatò ny fanekena ny vahoaka rehetra. 4 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisoronabe, ireo mpisorona ambany fahefany, ary ireo mpiandry vavahady mba hamoaka avy ao amin'ny tempolin'i Yaveh ireo fanaka rehetra izay natao ho an'i Bala sy Astarta, sy ho an'ireo kintan'ny lanitra rehetra. Nandoro izany tany ivelan'i Jerosalema tany an-tsaha tao amin'ny lohasahan'i Kidrona izy ary nitondra ny lavenon'ireo tany Betela. 5 Nanafoana ireo mpisorona mpanompo sampy izay nofidian'ireo mpanjakan'i Joda handoro ditin-kazo manitra tao amin'ireo toerana avo tao amin'ireo tanànan'i Joda sy tao amin'ireo toerana nanodidina an'i Jerosalema izy— dia ireo izay nandoro ditin-kazo manitra ho an'i Bala, ho an'ny masoandro sy ny volana, ho an'ireo planeta, ary ho an'ireo kintan'ny lanitra rehetra. 6 Namoaka ny baon'Aseraha avy tao amin'ny tempolin'i Yaveh izy, tany ivelan'i Jerosalema tany an-dohasahan'i Kidrona ary nandoro izany teo. Notorotoroiny ho vovoka izany ka nariany teo amin'ireo fasam-bahoaka izany vovoka izany. 7 Nodioviny ireo efitranon'ireo lehilahy mpivavaka mivaro-tena izay tao an-tempolin'i Yaveh, izay nanenonan'ireo vehivavy fitafiana ho an'i Aseraha. 8 Nitondra ireo mpisorona rehetra tany ivelan'ny tanànan'i Joda i Josia ary nandoto ireo toerana avo izay nandoran'ireo mpisorona ditin-kazo manitra, nanomboka tao Geba hatrany Beri-sheba. Noravàny ireo toerana avo teo amin'ireo vavahady izay teo amin'ny fidirana mankany amin'ny vavahadin'i Josoa (tanànan'ny governora), teo amin'ny ilany ankavian'ny vavahadin'ny tanàna. 9 Na dia tsy navela nisorona teo amin'ny alitaran'i Yaveh tao Jerosalema aza ireo mpisoron'ireo toerana avo ireo, dia nihinana mofo tsy misy masirasira teo amin'ireo rahalahiny izy ireo. 10 Nolotoin'i Josia i Tofeta, izay tao amin'ny lohasahan'i Beni-hinoma, mba tsy hisy olona handoro ao anaty afo ny zanany lahy na ny zanany vavy ho sorona ho an'i Moloka. 11 Nalany ireo soavaly izay nomen'ireo mpanjakan'i Joda ny masoandro. Teo amin'ny faritra teo amin'ny fidirana ho ao an-tempolin'i Yaveh, akaikin'ny efitranon'i Natana-meleka, tandapa ireo. Nodoran'i Josia ireo kalesin'ny masoandro. 12 Noravan'i Josia mpanjaka ireo alitara izay teo amin'ny tafon'ny efitranon'i Ahaza farany ambony, izay namboarin'ny mpanjakan'i Joda, sy ireo alitara izay nataon'i Manase tao amin'ireo kianjan'ny tempolin'i Yaveh anankiroa. Notorotoroin'i Josia ireo ary nariany tao amin'ny Lohasahan-driak'i Kidrona. 13 Noravan'ny mpanjaka ireo toerana avo atsinanan'i Jerosalema, atsimon'ny tendrombohitry ny faharatsiana izay namboarin'i Solomona mpanjakan'Israely ho an'i Astarta, ilay sampy maharikorikon'ireo Sidoniana; ho an'i Kemosy, ilay sampy maharikorikon'i Moaba; ary ho an'i Moloka, ilay sampy maharikorikon'ireo vahoakan'i Amona. 14 Notorotoroiny ireo tsangam-bato ary nokapainy ireo baon'Aseraha ary nofenoiny taolan'olombelona ireo toerana ireo. 15 Noravan'i Josia tanteraka ihany koa ny alitara izay tao Betela sy ny toerana avo izay namboarin'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata (ilay iray izay nampanota ny Israely). Nodorany ihany koa izany alitara izany sy ny toerana avo ka notorotoroiny ho vovoka. Nodorany ihany koa ny baon'Aseraha. 16 Raha nijery ny faritra Josia, dia tsikariny ireo fasana izay teo amin'ny havoana. Naniraka lehilahy mba haka ny taolana avy tao amin'ireo fasana izy; ka dia nodorany teo amin'ny alitara ireo, izay nandoto izany. Izany dia araka ny tenin'i Yaveh izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra, dia ilay lehilahy izay niteny ireo zavatra ireo mialoha. 17 Dia hoy izy: "Tsangambato inona ity hitako?" Ireo lehilahin'ny tanàna niteny taminy hoe: "Io dia fasan'ny lehilahin'Andriamanitra izay avy any Joda ary niresaka momba ireo zavatra izay vao nataonao tamin'ny alitaran'i Betela." 18 Dia hoy i Josia: "Avelao izany. Tsy misy olona tokony hamindra ireo taolany." Ka navelan'izy ireo, niaraka tamin'ireo taolan'ny mpaminany izay avy any Samaria ny taolany. 19 Dia nesorin'i Josia ireo trano rehetra tany amin'ireo toerana avo izay tany amin'ireo tanànan'ny Samaria, izay nataon'ireo mpanjakan'Israely, ary izay nahatonga an'i Yaveh ho tezitra. Nataony mitovy tsy misy valaka tamin'izay natao tany Betela ireo. 20 Novonoiny teo amin'ireo alitara ireo mpisoron'ny toerana avo rehetra ary nandoro taolan'olombelona teo amin'ireo izy. Avy eo dia niverina tany Jerosalema. 21 Dia nandidy ny vahoaka rehetra ny mpanjaka, nanao hoe: "Tandremo ny Paskan'i Yaveh Andriamanitrareo, araka izay voasoratra ao amin'ity Bokin'ny Fanekena ity." 22 Tsy nisy fankalazana ny Paska notandremana toy izany hatramin'ny andron'ireo mpitsara izay nanapaka teo amin'Israely, na tamin'ny andron'ireo mpanjaka izay nanapaka ny Israely, na tamin'ireo andron'ireo mpanjakan'Israely na Joda rehetra. 23 Fa tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka no nankalazaina tany Jerosalema izany Paskan'i Yaveh izany. 24 Noroahin'i Josia ihany koa ireo izay niresaka tamin'ny maty na tamin'ny fanahy. Noroahiny ihany koa ireo terafima, ireo sampy, ary ireo zavatra maharikoriko rehetra izay hita tao amin'ny tanin'ny Joda sy tany Jerosalema, mba hanamafisana ireo tenin'ny lalàna izay voasoratra tao amin'ny boky izay hitan'i Hilkia mpisorona tao an-tranon'i Yaveh. 25 Talohan'i Josia, dia tsy mbola nisy mpanjaka tahaka azy, izay niverina tamin'i Yaveh tamin'ny fony rehetra, ny fanahiny rehetra, ary ny heriny rehetra, izay nanaraka ny lalàn'i Mosesy rehetra. Sady tsy nisy mpanjaka tahaka an'i Josia nitsangana tao aoriany. 26 Na izany aza, dia tsy nitsahatra ny firehetan'ny fahatezerana lehiben'i Yaveh, izay nirehitra tamin'i Joda noho ireo fanompoan-tsampy rehetra izay nihantsian'i Manase Azy. 27 Koa hoy i Yaveh: "Esoriko tsy ho eo imasoko ihany koa i Joda, tahaka ny nanesorako an'Israely, ary hariako ity tanàna izay nofidiako ity, dia i Jerosalema, sy ny trano izay nolazaiko hoe: 'Ho ao ny anarako."' 28 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Josia, ny zavatra rehetra izay nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany?" 29 Tamin'ny androny, i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, dia nandeha mba hiady tamin'ny mpanjakan'i Asyria tao amin'ny Ony Eofrata. Nandeha nitsena an'i Neko tao an'ady i Josia mpanjaka, ka novonoin'i Neko tao Megido izy. 30 Ireo mpanompon'i Josia nitondra azy efa maty tao anaty kalesy avy any Megido, nitondra azy tany Jerosalema, ary nandevina azy tao amin'ny fasany manokana. Dia nalain'ny vahoakan'ny tany i Joahaza zanaka lahin'i Josia, nosorany, ary nataony ho mpanjaka nandimby ny toeran'ny rainy. 31 Telo amby roapolo taona i Joahaza no nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritra ny telo volana tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia i Hamotala; izy dia zanaka vavin'i Jeremia avy any Libna. 32 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Joahaza, toy ny zavatra rehetra izay nataon'ireo razambeny. 33 Nofatoran'i Farao-neko rojo tao Ribla tao amin'ny tanin'i Hamata izy, mba tsy hanjakany ao Jerosalema. Dia nampanefain'i Neko talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray i Joda. 34 Nataon'i Farao-neko ho mpanjaka teo amin'ny toeran'i Josia rainy i Eliakima zanak'i Josia, ary novainy hoe Joiakima ny anarany. Nefa nitondra an'i Joahaza nankany Egypta izy, ka maty tany i Joahaza. 35 Nandoa ny volafotsy sy volamena tamin'i Farao i Joiakima. Mba hamaliana ny fangatahan'i Farao mpanjaka, dia nampandoa hetra ny tany i Joiakima ary notereny mba handoa volafotsy sy volamena aminy araka ny tomban'izy ireo ny olona tsirairay tamin'ireo vahoakan'ny tany. 36 Dimy amby roapolo taona i Joiakima no nanomboka nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia i Zebida; izy dia zanaka vavin'i Pedaia avy any Romaha. 37 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Joiakima, tahaka izay nataon'ireo razambeny.
Filazana amin'ny ankapobeny ihany izany. DH: "olona hafa maro be" (UDB)
Fibangoan-teny ilazana ny olona rehetra izany. DH: "hatramin'ny olona tsy manan-danja indrindra ka hatramin'ny manan-danja indrindra"
"Ary novakian'ny mpanjaka mafy mba ho ren'izy ireo"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "izay hitan'i Hilkia" (Jereo ny 22:8) na "izay hitan'izy ireo"
Ny fomba fiainan'ny olona iray dia lazaina toy ny hoe mandeha amin'ny lalana iray, ary ny hoe "manaraka" dia sarinteny ilazana izay tian'ny olona iray mba ho ataon'ny olona iray hafa. DH: "hiaina amin'ny fankatoavana an'i Yaveh"
Mitovy avokoa ny hevitr'ireo teny rehetra ireo. Izy rehetra miaraka dia fanamafisana ny zava-drehetra izay nandidian'i Yaveh ao amin'ny lalàna.
Ny fomba fiteny hoe "amin'ny fony rehetra" dia midika hoe "manontolo" ary ny hoe "ny fanahiny rehetra" dia midika hoe "ny maha-olona manontolo." Mitovy ny hevitr'ireo andian-teny roa ireo. DH: "ny aminy manontolo" na "amin'ny heriny manontolo"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "izay nosoratan'izy ireo ao amin'ity boky ity" na "izay mameno an'ity boky ity"
Izany dia midika hoe "mankatò ny fanekena voalaza"
"ireo mpisorona hafa izay nanompo azy"
ireo olona izay miandry ny vavahady miditra ao an-tempoly
"mba hahafan'ny ahoaka mampiasa ireo hiderana an'i Bala ... mba hahafahan'ny vahoaka midera ny kintan' ..."
Ny hoe "izy" eto manondro an'i Josia, tsara kokoa raha azavaina amin'ny mpamaky fa nisy olona hafa, mety hoe i Hilkia sy "ireo mpisorona ambany fahefany" (23:4) nanampy an'i Josoa nanao izany.
Anaran-toerana ireo.
"mba hiderana an'i Bala, ny masoandro sy ny volana, ireo planeta, ary ireo kintan'ny lanitra rehetra"
Mitohy ny fitantarana izay navalin'i Josia Mpanjaka ny hafatra avy tamin'i Yaveh.
Ny hoe "izy" eto manondro an'i Josoa, tsara kokoa raha azavaina amin'ny mpamaky fa nisy olona hafa, mety hoe i Hilkia sy "ireo mpisorona ambany fahefany" (23:4) nanampy an'i Josoa nanao izany.
"nanjairan'ireo vehivavy akanjo"
Ny hoe "izy" eto manondro an'i Josia, tsara kokoa raha azavaina amin'ny mpamaky fa nisy olona hafa, mety hoe i Hilkia sy "ireo mpisorona ambany fahefany" (23:4) nanampy an'i Josia nanao izany.
Anaran-toerana ireo.
"ny tanànan'ny mpanapaka izay nantsoina hoe Josoa" na "ny tanànan'ny mpitarika izay nantsoina hoe Josoa." Tsy ilay Josoa ao amin'ny Bokin'i Josoa ao amin'ny Testamenta Taloha akory ity Josoa voalaza eto ity.
Eto ny hoe "rahalahy" dia ilazana ireo mpisorona namana izay manompo ao amin'ny tempoly.
Anaran-toerana ireo.
"hanao ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo ary handoro azy ireo ho sorona ho an'i Moloka"
Tena tsara raha azavaina amin'ny mpamaky fa nisy olona hafa, mety hoe i Hilkia sy "ireo mpisorona ambany fahefany" (23:4) nanampy an'i Josia nanao izany.
Ireo mety ho heviny dia 1) soaaly tena izy na 2) soavaly sarivomgana.
Ny tena heitr'izany sarinteny izany dia "nampiasain'ireo mpanjakan'i Joda hiderana ny masoandro."
Anaran-dehilahy.
Tena tsara raha azavaina amin'ny mpamaky fa nisy olona hafa, mety hoe i Hilkia sy "ireo mpisorona ambany fahefany" (23:4) nanampy an'i Josia nanao izany.
Anaran-toerana izany. Jereo ao amin'ny 23:4 ny fomba nandikanao izany.
"norakofany taolan'olombelona ny tany mba tsy hahafahan'ny vahoaka manao izany ho fanasinana intsony"
Tena tsara raha azavaina amin'ny mpamaky fa nisy olona hafa, mety hoe i Hilkia sy "ireo mpisorona ambany fahefany" (23:4) nanampy an'i Josia nanao ireo zavatra ireo.
"nilaza fa hitranga ireo zavatra ireo"
Fahatsiarovana na famantarana mba hanomezam-boninahitra olona iray. Ny fahasana (UDB) dia anisan'ny karazana tsangambato.
"Mba tsy hikasihan'izy ireo ny taolany na ny taolan'i"
Tena tsara raha azavaina amin'ny mpamaky fa nisy olona hafa, mety hoe i Hilkia sy "ireo mpisorona ambany fahefany" (23:4) nanampy an'i Josia nanao ireo zavatra ireo.
"izay nataony"
"nandoro taolan'olombelona teo amin'ireo izy ireo mba tsy hisy olona ampiasa ireo intsony.
"Tsy maintsy mankalaza ny Pasaka ianareo"
"Tsy mbola nankalaza ny fetin'ny Paska tahaka izao ireo taranak'Israely tamin'ny fotoanan'ny"
"Israely" eto dia ilazana ireo "taranak'Israely."
"Ny fotoana izay nanan'ny Israely ny mpanjakan'izy ireo manokana sy ny fotoana izay nanana'i Joda ny mpanjakan'izy ireo manokana"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "nankalaza izany Paska izany ho an'i Yaveh ny vahoakan'i Joda"
"Noteren'i Josoa nandeha ihany koa ireo ... ny fanahy" na "nanao lalàna ny mba handehanan'ireo izay ... ny fanahy"
Mitovy amin'izay voalaza ao amin'ny 21:4 "ireo izay miresaka amin'ny maty sy ireo izay miresaka amin'ny fanahy"
zavatra inoan'ny olona fa manana hery manokana.
"izay nanolotra ny tenany manontolo ho an'i Yaveh"
"Ary nanomboka tamin'izay dia tsy nisy mpanjaka tahaka an'i Josia intsony"
Nampiasa izany andian-teny ny mpanoratra mba hanehoany fa na dia nanao ireo zavatra tsara ireo aza i Josia, dia mbola tezitra taminy ihany i Joda.
Ny afo dia sarinteny ilazana ny fahatezerana, ny firehetan'ny afo dia ilazana fa efa manomboka mihatezitra izy. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "tsy nitsahatra ny firehetan'ny fahatezerany lehibe i Yaveh satria, izay mbola nirehitra ihany" na "Tsy nanajanona ny fahavinirany i Yaveh satria tezitra mafy Izy"
"nahatezitra azy"
"tsy ho eo amin'izay misy Ahy" na "tsy ho eo akaikiko"
Ny anaraka dia sarinteny ilazana ny voninahitra izay atolotry ny vahoaka ho an'olona iray. DH: "Hanompo Ahy any ny olona"
Napetraka izany fanontaniana fampisainana izany mba ho fanamafisana. Azo atao fehezanteny tsotra izany fanontaniana izany. Jereo ao amin'ny 8:22 ny fomba nandikanao izany. DH: " "Azonao vakiana ... Joda ny momba izany."
"Tamin'ny fotoana naha-mpanjakan'i Egypta an'i Josia, Farao-neko"
Anaran-dehilahy izany Neko izany. Ary Megido dia anaran-tanàna.
"23 taona"
Anaram-behivavy izany.
Anaran-toerana avokoa ireo.
Ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fitsaran'i Yaveh na ny fomba fanapahany hevitra amin'ny zavatra iray. Jereo ao amin'ny 3:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "Nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy izy" na "Nanao izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy"
Rehefa avy nofatorana tamin'ny rojo vy izy, dia mety natao tao an-tranomaizina. DH: "Nataon'i Farao-neco tao an-tranomaizina"
Noteren'i Neko hanome azy ... i Joda" (UDB)
Ny talenta iray dia 33 kilao eo ho eo. DH: "3.300 kilao ... 33 kilao"
"Nanangona hetra avy amin'ireo olona tompon'ny tany i Joiakima"
"ny vahoakan'ny tanin'i Joda." Ireo mety ho heviny 1) "ny vahoaka izay nipetraka tao amin'ny tanin'i Joda" na 2) "ireo mpanan-karena sy matanjaka indrindra izay nipetraka tany Joda."
Anaram-behivavy izany.
Anaran-dehilahy izany.
Ananaran-toerana izany.
Ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fitsaran'i Yaveh na ny fomba fanapahany hevitra amin'ny zavatra iray. Jereo ao amin'ny 3:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "Nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy izy" na "Nanao izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy"
1 Tamin'ny andron'i Joiakima, dia nanafika an'i Joda i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona; lasa mpanompony nandritra ny telo taona i Joiakima. Ary niodina ka nikomy nanohitra an'i Nebokadnezara i Joiakima. 2 Nandefa ireo tarika Kaldeana, Syriana, Moabita ary Amonita hanohitra an'i Joiakima i Yaveh; nalefany hanohitra an'i Joda mba handrava izany izy ireo. Mifanaraka amin'ny tenin'i Yaveh, izay nolazainy tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompony izany. 3 Azo antoka fa tamin'ny vavan'i Yaveh no nahatonga izany tamin'i Joda, mba hanala azy ireo tsy ho eo imasony, nohon'ny fahotan'i Manase, dia izay rehetra nataony, [1]4 ary nohon'ny rà tsy manan-tsiny izay nalatsany ihany koa, satria nofenoiny tamin'ny rà tsy manan-tsiny i Jerosalema. Tsy nivonona ny hamela izany i Yaveh. 5 Raha ny amin'ireo raharaha hafa rehetra mahakasika an'i Joiakima, sy izay nataony rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany? 6 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Joiakima, ary Joiakina zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby azy. 7 Tsy nanafika tany ivelan'ny taniny intsony ny mpanjakan'i Egypta, satria ny mpanjakan'i Babylona dia efa nandresy ny tany rehetra izay teo ambany fifehezan'ny mpanjakan'i Egypta, hatramin'ny lohasahan-driakan'i Egypta ka hatramin'ny Renirano Eofrata. 8 Valo ambin'ny folo taona i Joiakina no nanomboka nanjaka; nanjaka telo volana tany Jerosalema izy. Ny anaran'ny reniny dia i Nehosta; zanaka vavin'i Elnatana avy any Jerosalema. 9 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy; nanao izay rehetra nataon'ny rainy izy. 10 Tamin'izany fotoana izany ny tafik'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona dia nanafika an'i Jerosalema ka nanao fahirano ny tanàna. 11 Tonga teo an-tanàna i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona raha mbola nanao fahirano izany ny miaramilany, 12 ary i Joiakina mpanjakan'i Joda nankany amin'ny mpanjakan'i Babylona, izy, ny reniny, ireo mpanompony, ireo andriany, ary ireo manampahefany. Nisambotra azy ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny taona fahavalo nanjakany. 13 Nalain'i Nebokadnezara avy tao avokoa ireo zavatra sarobidy rehetra tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo tao an-dapan'ny mpanjaka. Notapatapahany ny zavatra volamena rehetra izay nataon'i Solomona mpanjakan'Israely tao amin'ny tempolin'i Yaveh, araka izay nolazain'i Yaveh fa hitranga. 14 Nataony sesitany i Jerosalema manontolo, ny mpitarika rehetra, sy ireo lehilahy mpiady rehetra, babo iray alina, sy ireo mpanao tao-zavatra, ary ireo mpanefy rehetra. Tsy nisy navelany hijanona afa-tsy ireo olona mahantra indrindra teo amin'ny tany. 15 Nalain'i Nebokadnezara ho sesitany tao Babylona i Joiakina, mbamin'ny renin'ny mpanjaka, ireo vadiny, ireo manam-pahefany, ary ireo lehiben'ireo lehilahy teo amin'ny tany. Nalainy ho sesitany avy any Jerosalema nankany Babylona izy ireo. 16 Ireo lehilahy mpiady rehetra, miisa fito arivo, mpanao asa tanana sy mpanefy vy iray alina, izy rehetra ireo dia natao ho amin'ny ady avokoa—ny mpanjakan'i Babylona nitondra ireo lehilahy rehetra ireo ho sesitany ho any Babylona. 17 Nataon'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanjaka handimby azy i Matania, ralahan-drain'i Joiakina, ary novainy ho Zedekia ny anarany. 18 Iraika amby roapolo taona i Zedekia no nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny iraika ambin'ny folo taona tany Jerosalema izy. Hamotala no anaran'ny reniny; zanaka vavin'i Jeremia avy any Libna. 19 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy; nataony izay rehetra nataon'i Joiakima. 20 Tamin'ny fahatezeran'i Yaveh, no nisehoan'ireo tranga rehetra ireo tany Jerosalema sy Joda, mandra-pandroahany azy ireo tsy ho eo amin'ny fanatrehany. Ary dia nikomy nanohitra ny mpanjakan'i Babylona i Zedekia.
"Nandritra ny andro nitondràn'i Joiakima an'i Joda"
Ilaina ny mahafantatra izay nitranga rehefa avy nanafika an'i Joda i Nebokadnezara. DH: "nanafika sy nandresy an'i Joda"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Izany dia araka ny tenin'i Yaveh izay nolazain'ireo mpaminany mpanompony" na "Tena izany mihitsy no notenenin'i Yaveh tamin'ireo mpaminany mpanompony fa hitranga"
Ny dikan-teny sasany dia misy manao hoe: "Azo antoka izany fa nohon'ny fahatezeran'i Yaveh," nalaina tamin'ny lahatsoratra fototra izany. Raha manana teny mahazava kokoa izany amin'ny fiteninao ianao dia azonao atao ny mampiasa izan.
Eto ny hoe "vava-" dia ilazana ireo didin'i Yaveh. DH: "araka ny nandidian'i Yaveh"
"hanaisotra azy ireo" na "handringana azy ireo"
Eto ny hoe "rà" dia ilazana ny ain'ny tsy manan-tsiny, ary ny fandatsahan-drà dia sarinteny ilazana ny famonoana ny olona tsy manan-tsiny. DH: "olona tsy manan-tsiny izay novonoiny"
Eto ny hoe "rà" dia ilazana ny ain'ny tsy manan-tsiny, ary ny fandatsahan-drà dia sarinteny ilazana ny famonoana ny olona tsy manan-tsiny. DH: "namono olona tsy manan-tsiny maro tao Jerosalema izy"
Natao endrika fanontaniana fampisainana izany fehezanteny izany satria tamin'ny fotoana nanoratana izany dia efa fantatry ny vahoaka sahady ny andinindiny mikasika izany. Azo atao fehezanteny tsotra izany fanontaniana izany. Jereo ao amin'ny 8:22 ny fomba nandikanao izany. DH: "voasoratra ... Joda tokoa izany." na "Azonao vakiana ... Joda izany"
"Mady ary nalevina niaraka tamin'ireo razambeny"
"Tsy nivoaka tany ivelan'ny taniny mba hanafika ireo andian'olona hafa intsony ny mpanjakan'i Egypta"
Anaram-behivavy ny hoe Nehosta. Ary Elnatana dia anaran-dehilahy.
Ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fitsaran'i Yaveh sy ny fomba fandraisany fanapahan-kevitra amin'ny zavatra iray. Jereo ao amin'ny 3:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy izy" na "Nanao izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy"
Filazana amin'ny ankapobeny ihany izany. DH: "nanao ireo karazan'ota izay nataon'ny rainy izy"
Azonao azavaina ny antony nihaonan'i Joiakima tamin'i Nebokadnezara. DH: "Joiakima mpanjakan'i Joda, ny reniny, ireo mpanompony, ireo andriany, ary ireo manampahefany dia nivoaka tany amin'izay nisy an'ny mpanjakan'i Babylona, mba hilefitra aminy"
"Rehefa nanjaka nandritra ny valo taona ny mpanjakan'i Babylona, dia nisambotra an'i Joiakima izy"
Azonao atao ny mandika izany amin'ny fomba fiteninao mba hahazoan'ny mpamaky fa nisy olona hafa nanampy azy nanao izany.
Izany dia fanitaran-kevitra, ary ny teny hoe "Jerosalema" dia sarinteny ilazana ny olona izay nipetraka tao. DH: "Nalàn'i Nebokadnezara tao Jerosalema avokoa ny olona manan-danja rehetra"
"ny olona izay mahay tao-zavatra vita amin'ny vy"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Ireo olona mahantra indrindra sisa no nipetraka tao"
"7.000 ... 1.000"
Anaran-dehilahy izany.
"21 ... 11"
Anaram-behivavy izany.
Anaran-dehilahy izany.
Anaran-toerana izany.
Ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fitsaran'i Yaveh sy ny fomba fandraisany fanapahan-kevitra amin'ny zavatra iray. Jereo ao amin'ny 3:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy izy" na "Nanao izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy"
1 Ary tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia Mpanjaka, tamin'ny volana fahafolo, ary tamin'ny andro fahafolon'ny volana, dia tonga hanohitra an'i Jerosalema i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ireo tafiny rehetra. Nitoby teo anilan'izany izy, ary nanangan'izy ireo rindrina manodidina izany. 2 Ka dia natao fahirano hatramin'ny fahairaika ambiny'ny folo taona nanjakan'i Zedekia Mpanjaka ny tanàna. 3 Tamin'ny andro fahasivin'ny volana fahefatra tamin'izany taona izany, dia namely mafy ny mosary tao an-tanàna ka tsy nisy sakafo ho an'ny vahoakan'ny tany. 4 Dia vaky ny tanàna, ary ny lehilahy mpiady rehetra nandositra tamin'ny alina avy teo amin'ny lalan'ny vavahady teo anelanelan'ireo rindrina roa, izay eo amin'ny zaridainan'ny mpanjaka, na dia nanodidina ny tanàna rehetra aza ireo Kaldeana. Nandeha tamin'ny lalana mankany Araba ny mpanjaka. 5 Kanefa nanenjika an'i Zedekia Mpanjaka ny tafik'i Kaldeana ka nahatratra azy teo amin'ny lemaky ny lohasahan-dreniranon'i Jordana akaikin'i Jeriko. Ary niparitaka niala taminy ny tafiny rehetra. 6 Nosamborin'izy ireo ny mpanjaka ary nentiny niakatra tany amin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla, tany izy ireo no nitsara azy. 7 Raha ny amin'ireo zanaka lahin'i Zedekia kosa, novonoin'izy ireo teo imasony izy ireo. Avy eo dia nopotsirin'izy ireo ny masony, nofatorany tamin'ny rojo varahina izy, ary nentiny tany Babylona. 8 Tamin'ny volana fahadimy, tamin'ny andro fahafiton'ny volana, izay taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, dia nankany Jerosalema, i Nebozaradana, mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona sy lehiben'ireo mpiambiny. 9 Nodorany ny tranon'i Yaveh, ny lapan'ny mpanjaka, ary ny trano rehetra tao Jerosalema; ary nodorany ihany koa izay trano lehibe manan-danja rehetra tao an-tanàna. 10 Ary ireo rindrina manodidina an'i Jerosalema rehetra, dia nopotehin'ireo tafika Babyloniana izay teo ambany fifehezan'ny lehiben'ny mpiambina. 11 Raha ny amin'ireo vahoaka izay sisa tavela tao an-tanàna, ireo izay nandao ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo vahoaka ambiny—dia nalefan'i Neborazadana, mpifehy ny mpiambina an-tsesitany izy ireo. 12 Kanefa ny lehiben'ny mpiambina dia namela ny sasany tamin'ireo mahantra indrindra amin'ny tany mba hiasa ireo tanim-boaloboka sy ireo saha. 13 Ary ny amin'ireo andry varahina izay tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo tsanganana ary ireo tavin-drano varahina lehibe izay tao an-tranon'i Yaveh, dia nopotipotehin'ireo Kaldeana ary nentin'izy ireo niverina tany Babylona ny varahina. 14 Ireo vilany, lapelina, fitoeran-jiro, sotro, ary ireo fanaka varahina rehetra izay fampiasan'ny mpisorona eo an-tempoly—dia nalain'ireo Kaldeana avokoa. 15 Ny vilany famafazan-davenona sy ny lovia izay vita tamin'ny volamena, ary ireo vita tamin'ny volafotsy—dia nalain'ny kapitenin'ny mpiambin'ny mpanjaka ihany koa. 16 Ireo andry roa, ny koveta, ary ireo tsanganana izay nataon'i Solomona ho an'ny tranon'i Yaveh dia misy varahina tsy hita ho lanjaina. 17 Ny haavon'ny andry voalohany dia valo ambin'ny folo hakiho, ary nihaingo kapitaly varahina ny tampon'izany. Telo hakiho ny haavon'ilay kapitaly, miaraka amin'ny harato sy ampongaben-danitra manodidina ilay kapitaly rehetra, natao tamin'ny varahina avokoa. Mitovy amin'ilay harato voalohany ihany ilay iray hafa. 18 Nalain'ny lehiben'ny mpiambina i Seraia lehiben'ny mpisorona, niaraka tamin'i Zefania, mpisorona faharoa, ary ireo mpiandry vavahady telo. 19 Avy tao an-tanàna izy no naka tandapa iray ho gadra izay niandraikitra ireo miaramila, ary dimy lahy tamin'ireo dia mpanome hevitra ny mpanjaka, izay mbola tao an-tanàna. Nogadrainy ihany koa ilay manam-pahefan'ny tafiky ny mpanjaka izay miandraikitra ireo lehilahy miofana ho ao amin'ny tafika, niaraka tamina enimpolo lahy manan-kaja avy amin'ny tany ao an-tanàna. 20 Ary i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, naka ary nitondra azy ireo tany amin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla. 21 Novoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla tao amin'ny tany Hamata izy ireo. Toy izany no nanaovana sesitany an'i Joda tany ivelan'ny taniny. 22 Raha ny amin'ireo vahoaka izay nijanona tao amin'ny tanin'i Joda, ireo izay navelan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, dia nametraka an'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanak'i Safana, hisahana azy ireo izy. 23 Ary rehefa ren'ireo lehiben'ny miaramila rehetra, izy ireo sy ireo olony, fa efa nataon'ny mpanjakan'i Babylona governora i Gedalia, dia nandeha tany amin'ny Gedalia tany Mizpa izy ireo. Ireto izany lehilahy izany, Ismaela zanaka lahin'i Netania, Johanana zanaka lahin'i Karea, Seraia zanaka lahin'i Tanometa ilay Netofatita, ary i Jazania zanaka lahin'ilay Makatita—izy ireo sy ny olon'izy reo. 24 Nanao fianianana tamin'izy ireo sy tamin'ireo olony i Gedalia, ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Aza matahotra ireo manampahefan'i Kaldeana ianareo. Mitoera eo amin'ny tany ary manompoa ny mpanjakan'i Babylona, ary ho tsara ho anareo izany." 25 Kanefa tamin'ny volana fahafito i Ismaela zanaka lahin'i Elisama, avy amin'ny mpianakavin'ny mpanjaka, dia nandeha niaraka tamina folo lahy ary nanafika an'i Gedalia. Maty niaraka tamin'ireo olon'i Joda sy ireo Babyloniana izay niaraka taminy tany Mizpa i Gedalia. 26 Ary ny vahoaka rehetra, ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, ary ireo lehiben'ny miaramila, dia niainga ary nankany Egypta, satria natahotra an'ireo Babyloniana izy ireo. 27 Taty aoriana tamin'ny fahafito amby telopolo taona naha-sesitany an'i Joakina mpanjakan'i Joda, ny volana faharoa ambin'ny folo, andro fahafito amby roapolon'ny volana, dia namotsotra an'i Joakina mpanjakan'i Joda tany am-ponja i Evila-merodaka mpanjakan'i Babylona. Tamin'ny taona nanombohan'i Evila-merodaka nanjaka izany no niseho. 28 Niresaka taminy tamin'ny hatsaram-panahy sy nanome seza fiandrianana manan-kaja kokoa noho ny an'ireo mpanjaka hafa izay niaraka taminy tao Babylona izy. 29 Nesorin'i Evila-merodaka ny akanjo maha-gadra an'i Joakina, ary i Joakina dia nihinana teo amin'ny latabatry ny mpanjaka nandritra ny androm-piainany. 30 Nomena solon-tsakafo isan'andro izy nandritra ny androm-piainany.
"tamin'ny taona faha 9"
Ny volana fahafolo ao amin'ny tetiandro Hebreo izany. Araka ny tetiandro Tandrefana, ny andro fahafolo dia efa akaikin'ny faran'ny volana Desambra. Izany dia mandritra ny andro mangatsiaka fisian'ny orana na ny rano mandry.
Ny anarana hoe "Jerosalema" dia sarinteny ilazana ny olona izay nipetraka tao. DH: "tonga hifanandrina ny vahoakan'i Jerosalema ... sy ireo tafiny manontolo" na "tonga handresy an'i Jerosalema ... sy ireo miaramilany manontolo"
Ny volana fahefatra ao amin'ny tetinandro Hebreo izany. Araka ny tetiandro Tandrefana, ny andro fahasivy dia efa akain'ny faran'ny volana Jona. Izany dia mandritra ny vanim-potoana main-tany izay zara raha misy orana.
Ireo mponin'i Jerosalema no tiana ho lazaina amin'izany, anisan'izany ireo mpialokaloka izay nitsoaka avy any amin'ireo zana-bohitra manodidina an'i Jerosalema rehefa nanomboka ny ady.
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Novakian'ny tafika Babyloniana ny tanàna"
"ny mpiady mahery rehetra"
"tamin'ny fandalovana teo amin'y vavahady"
Ny olona sasany mandika izany hoe "Kaldeana" ary ny hafa mampiasa ny hoe "Babyloniana." Samy azo ilazana ireo andian'olona ireo ihany izany.
"Nandositra ihany koa i Zedekia Mpanjaka ary lasa"
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Nandositra niala teo amin'ny ny tafiny rehetra" na "Nanenjika ny tafiny manontolo ireo Kaldeana"
Anaran-toerana izany.
"nanapa-kevitra ny fomba hanasaziana azy" (jereo ny UDB)
Ny hoe "imaso" dia fibangoan-teny ilazana ireo olona manontolo. DH: "Noteren'izy ireo hijery azy ireo eo am-pamonoana ireo zanany i Zedekia mpanjaka"
"Nesorin'i Nebokadnezara ny mason'i Zedekia." Azonao atao ny mandika izany amin'ny fomba fiteninao mba hahazoan'ny mpamaky fa nisy olona hafa nanampy azy nanao izany.
Ny vola fahadimin'ny tetiandro Hebreo izany. Araka ny tetiandro Tandrefana ny andro fahafito dia efa akaikin'ny faran'ny volana Jolay.
"taona faha 19"
Anaran-dehilahy izany.
"Izany no nitranga tamin'ireo rindrina nanodidina an'i Jerosalema rehetra"
"izay nanaraka ny baikon'i"
"Izany ny nitranga tamin'ny vahoaka sisa tavel tao an-tanàna, ireo izay"
"ny vahoaka izay tavela tao an-tanàna"
"nandao ny tanàna ary nandeha mba hiaraka amin'ny mpanjaka"
"Izany no nanjo ireo andry varahina izay tao an-tranon'i Yaveh ... Kaldeana"
Izany dia ilazana ireo tsanganana varahina azo afindra toerana izay misy kodiarana varahina ihany koa. "tsanganana varahina azo afindra toerana" na "tsanganana varahina misy kodiarana" (UDB)
"koveta lehibe varahina"
"noravarain'ireo"
Fitaovana fanadiovana ny alitara, fa indrindra fanesorana fako, fasika, na lavenona.
"izay fampiasan'ny mpisorona amin'ny asa ao an-tempoly"
Eto dia ilaina ny manazava hoe lavenona toy ny ahoana no tiana hambara. DH: "Ny vilany fanalana lavenona eo amin'ny alitara"
"koveta varahina lehibe." Adikao tahaka ny ao amin'ny 21:13.
Adikao tahaka ny ao amin'ny 21:13.
Ny iray hakiho dia 46 santimetatra. DH: "8,3 metatra eo ho eo ... 1,4 metatra eo ho eo"
"varahina manana endrika voakaly"
Haingo mifampisadikadika ary manana endrika harato.
"vita tamin'ny varahina avokoa"
Andian-teny mitovy amin'ilay efa hita ao amin'ny 25:8.
Anaran-dehilahy izany.
Zefania no tiana ho lazaina amin'izany. Ny mety ho dikany hafa dia "mpisorona amban'i Seraia."
Adikao tahaka ny ao amin'ny 7:9.
"nisambotra ary nihazona izany tsy hitsoaka"
Ny dikan-teny sasany dia misy manao hoe "eonoka izay ... izay niandraikitra ireo miaramila." Ny eonoka dia lehilahy nalàna an-kasarotana.
Ireo mety ho dikany dia 1) noteren'ilay manam-pahefana ho lasa miaramila ireo lehilahy na 2) noraisin'ilay manam-pahefana an-tsoratra ny anaran'ireo izay lasa miaramila.
Anaran-dehilahy izany. Jereo ao amin'ny 25:8.
Anaran-toerana izany. Adikao tahaka ny ao amin'ny 25:6.
Tsara azavaina amin'ny mpamaky fa ny olona hafa nanampy azy nanao izany.
"ka dia natao sesitany tany ivelan'ny taniny i Joda"
Ny hoe "Joda" dia sarinteny ilazana ny vahoakan'i Joda. DH: "ny vahoakan'i Joda tany ivelan'ny tanin'izy ireo"
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
Taranaky ny lehilahy nantsoina hoe Netofa.
Ny olona avy ao amin'ny tanàna nantsoina hoe Maka.
Ny volana fahafito ao amin'ny tetiandro Hebreo izany. Araka ny tetiandro Tandrefana dia mandritra ny faran'ny volana Septambra sy ny voalohan'ny volana Oktobra izany.
Anaran-dehilahy izany.
Filazana amin'ny ankapobeny ihany izany. DH: "olona maro be"
Izany dia sarinteny ilazana ny hoe "ny olona manontolo." DH: "manomboka any amin'ny tsy manan-danja indrindra ka hatrany amin'ny manan-danja indrindra" na "ny olon-drehetra"
"tamin'ny faha 37 taona"
Ny volana faharoa ambin'ny folo ao amin'ny tetiandro Hebreo izany. Araka ny tetiandro Tandrefana, ny andro fahafito amby roapolo dia efa akaikin'ny fiandohan'ny volana Aprily.
Izany no niantsoana izany lehilahy izany, tsy nisy ny fanoritsoritana ny momba azy.
Ny fanomezana toerana eo amin'ny latabatra fisakafoana dia sarinteny ilazana fa nanome voninahitra azy izy. DH: "nomem-boninahitra mihoatra ireo mpanjaka hafa"
Tsara eto ny manazava amin'ny mpamaky fa ny fanalana ny akanjo maha-gadra azy dia midika fa olona afaka izy.
"niaraka tamin'ny mpanjaka sy ireo manam-pahefany"
Azo sadika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Nohamarinin'ny mpanjaka fa nahazo ny solon-tsakafony izy"
"vola hividianana sakafo"
1 Adama, Seta, Enosy, 2 Kenana, Mahalalila, Jareda, 3 Enoka, Metosela, Lameka. 4 Sema, Hama sy Jafeta no zanaka lahin'i Noa. [1]5 Ireo zanaka lahin'i Jafeta dia Gomera, Magoga, Maday, Javana, Tobala, Maseta, ary Tirasa. 6 Ary ireo zanaka lahin'i Gomera dia Askenaza, Rifata, ary Togarma. [2]7 Ireo zanaka lahin'i Javana dia Elisa, Tarisisy, Kitima, ary Dodanita. 8 Ireo zanaka lahin'i Hama dia i Kosy, Mizraima, Pota, ary Kanana. 9 Ireo zanaka lahin'i Kosy dia i Seba, Havila, Sabta, Ragama, ary Sabketa. Ireo zanaka lahin'i Ragama dia i Seba sy dedana. 10 Kosa niteraka an'i Nimroda, izay mpandresy voalohany teto an-tany. 11 Mizraima dia lasa razamben'ireo Lodita, Anamita, Lehabita, Naftohita, 12 Patrosita sy ny Kaslohita (izay niavian'ireo Filistina), ary ireo Kaftorita. 13 Kanana niteraka an'i Sidona, lahimatoany, sy Heta. 14 Lasa razamben'ny Jebosita, Amorita, sy Girgasita, 15 Hivita, Arkita, Sinita, 16 Arvadita, Zemarita, ary ny Harnatita ihany koa izy. 17 Ireo zanaka lahin'i Sema dia Elama, Asyra, Arpahada, Loda, Arama, Oza, Hola, Gatera, ary Maseka. 18 Arpaksada niteraka an'i Sela, ary Sela niteraka an'i Ebera. Nanan-janaka roa lahy i Ebera. 19 Ny anaran'ny iray dia Palega, satria tamin'ny androny dia nizara ny tany. Joktana ny anaran'ny rahalahiny. 20 Joktana niteraka an'i Almodada, Salefa, Hazarmaveta, Jera, 21 Hadorama, Ozala, Dikla 22 Ebala, Abimaela, Seba, 23 Ofira, Havila, Jobaba; taranak'i Joktana avokoa ireo. 24 Sema, Arpaksada, Sela, 25 Ebera, Palega, Reo, 26 Seroga, Nahora, Tera, 27 Abrama, izay Abrahama izany. 28 Ireo zanaka lahin'i Abrahama dia Isaka sy Ismaela. 29 Ireto avy ny zanaka lahin'izy ireo: ny lahimatoan'Ismaela dia i Nebaiota, avy eo Kedara, Abdela, Mibsama, 30 Misma, Doma, Masa, Hadada, Tema, 31 Jetora, Nafisy, ary Kedma. Ireo no zanaka lahin'Ismaela. 32 Ireo zanaka lahin'i Ketora, vaditsindranon'i Abrahama, dia i Zimrama, Joksana, Medana, Midiana, Jisbaka, ary Soaha. Ireo zanaka lahin'i Joksana dia i Sheba sy Dedana. 33 Ireo zanaka lahin'i Midiana dia i Efaha, Efera, Hanoka, Abida, ary Eldaha. Ireo rehetra ireo dia taranak'i Ketora. 34 Abrahama niteraka an'Isaka. Ireo zanaka lahin'Isaka dia Esao sy Israely. 35 Ireo zanaka lahin'i Esao dia Elifaza, Regoela, Jeosy, Jalama, ary Kora. 36 Ireo zanaka lahin'i Elifaza dia Temana, Omara, Zefo, Gatama, Kenaza, Timna, ary Amaleka. 37 Ireo zanaka lahin'i Regoela dia i Nahata, Zera, Sama, ary Miza. 38 Ireo zanaka lahin'i Seira dia i Lotana, Sobala, Zibona, Ana, Disona, Ezera, ary Disana. 39 Ireo zanaka lahin'i Lotana dia i Hori sy Homana, ary Timna no anabavin'i Lotana. 40 Ireo zanaka lahin'i Sobala dia Aliana sy Manahata, Ebala, Sefy, ary Onama. Ireo zanaka lahin'i Zibona dia Aia sy Ana. 41 Ny zanaka lahin'i Ana dia Disona. Ireo zanaka lahin'i Disona dia Hamrana, Esbana, Jitrana ary Kerana. 42 Ireo zanaka lahin'i Ezera dia i Bilana, Zavana, ary Jakana. Ireo zanaka lahin'i Disana dia Oza sy Arana. 43 Ireto avy ireo mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma talohan'ny nanjakan'izay mety ho mpanjaka teo amin'ireo Israelita: Bela zanaka lahin'i Beora, ary ny anaran'ny tanànany dia Dinaba. 44 Rehefa maty Bela, dia Jobaba zanaka lahin'i Zera avy any Bozra no nanjaka nandimby ny toerany. 45 Rehefa maty Jobaba, dia Hosama avy any amin'ny tanin'ny Temanita no nanjaka nandimby ny toerany. 46 Rehefa maty Hosama, dia i Hadada zanaka lahin'i Bedada, izay nandresy ireo Midianita tany amin'ny tanin'i Moaba, no nanjaka nandimby ny toerany. Avita no anaran'ny tanànany. 47 Rehefa maty Hadada, dia nanjaka teo amin'ny toerany i Samla avy any Masreka. 48 Rehefa maty Samla, dia nanjaka nandimby ny toerany i Saoly avy any Rehobota Hanahara. 49 Rehefa maty Saoly, dia nanjaka nandimby ny toerany i Bala-hanana zanaka lahin'i Akbora. 50 Rehefa maty Bala-hanana zanaka lahin'i Akbora, dia nanjaka nandimby ny toerany i Hadara. Pao no anaran'ny tanànany. Ny anaram-badiny dia Mehetabela zanaka vavin'i Matreda zanaka vavin'i Me-zahaba. 51 Maty Hadada. Ary ny lohan'ireo foko tany Edoma dia i Timna, Alva, Jetata, 52 Oholibama, Elaha, Pinona, 53 Kenaza, Temana, Mibzara, 54 Magdiela, ary Irama. Ireo no lohan'ireo foko tany Edoma.
Ireo dikanteny sasany, isan'izany ny ULB sy UDB, dia manisy hoe "zanaka lahin'i" mba hampazava tsara fa Sema, Hama, sy Jafeta dia mpirahalahy ary zanak'i Noa. Raha tsy izany dia hieritreritra ny mpamaky fa maneho taranaka iray lavitra an'i Noa, razambeny ireo olona tsirairay ireo.
Ireo anarana ireo dia lisitrana razambe. Raha manana fomba manokana hanamarihana io lisitra io ny fiteninao, dia afaka ampiasainao eto izany.
Adikao araka ny fomba fandikanao anarana amin'ny fiteninao ireo anaran'olona ireo. Anaran-dehilahy avokoa ireo.
Io anarana io dia antsoina indraindray hoe "Rodanita" tahaka ny ao amin'ny UDB.
Anaran'olona ireo.
DH: "razamben'ireo Filistina,"
Anaran'olona ity.
Ireo dia anarana vondron'olona.
Ireo dia anaran'olona.
Ireo dia anaran'olona.
Ireo dia anaran'olona.
Ireo dia anaran'olona.
Ireo dia anaran'olona.
Ireo dia anaran'olona.
Ireo dia anaran'olona.
Ireo dia anaran'olona.
Ireo avy no anaran'ny olona.
Ireo no anaran'ireo toerana.
"Hosama, avy any amin'ny tany izay nonenan'ny taranaka, nanjaka taoriany.
Io no anarana vondron-olona.
Ireo no anaran'ny olona.
Ireo no anaran'ny toerana.
Ireo no anaran'ny olona.
ity no anaran'ny toerana.
Ireo no anaran'ny olona.
1 Ireto avy ireo zanaka lahin'Israely: Robena, Simeona, Levy, Joda, Isakara, Zebolona, 2 Dana, Josefa, Benjamina, Naftaly, Gada, ary Asera. 3 Ireo zanaka lahin'i Joda dia i Era, Onana, ary Sela, izay naterany tamin'ny zanaka vavin'i Batsoa, ilay Kananita. Era, lahimatoan'i Joda, dia ratsy fanahy teo imason'i Yaveh, ary novonoin'i Yaveh izy. 4 Tamara, vinantony vavy, niteraka an'i Fareza sy Zera taminy. Nanan-janaka lahy dimy i Joda. 5 Hezrona sy Hamola no zanaka lahin'i Fareza. 6 Ireo zanaka lahin'i Zera kosa dia Zimry, Etana, Hemana, Kalkola, ary Dara, dimy ny fitambarany. 7 Ny zanaka lahin'i Karmy dia i Akara, izay nitondra fikorontanana teo amin'Israely rehefa nangalatra izay voatokana ho an'Andriamanitra izy. 8 Azaria no zanaka lahin'i Etana. 9 Jeramela, Rama, ary Kelobay no zanaka lahin'i Hezrona. 10 Rama niteraka an'i Aminadaba, ary Aminadaba niteraka an'i Nasona, mpitarika iray eo amin'ireo taranak'i Joda. 11 Nasona niteraka an'i Salma, ary Salma niteraka an'i Boaza. 12 Boaza niteraka an'i Obeda, ary Obeda niteraka an'i Jese. 13 Jese niteraka an'i Eliaba lahimatoany, i Abinadaba faharoa, Simea fahatelo, 14 Netanela fahefatra, Raday fahadimy, 15 Ozema fahenina, ary Davida fahafito. 16 Abigaila sy Zeroba no anabavin'izy ireo. Abisay, Joaba, ary Asahela, telo mirahalahy no zanaka lahin'i Zeroba. 17 Abigaila niteraka an'i Amasa, izay Jitra ilay Ismaelita no rainy. 18 Kaleba zanaka lahin'i Hezrona niteraka zanaka avy tamin'i Azoba, vadiny, sy tamin'i Jeriota. Jasera, Sobaba, ary Ardona no zanany lahy. 19 Maty Azoba, ary dia nalain'i Kaleba ho vady i Efrata, izay niteraka an'i Hora taminy. 20 Hora niteraka an'i Ory, ary Ory niteraka an'i Bezalila. 21 Taty aoriana kely Hezrona (rehefa enim-polo taona izy) dia nampakatra ny zanaka vavin'i Makira, rain'i Gileada. Niteraka an'i Segoba taminy izy. 22 Segoba niteraka an'i Jaira, izay nifehy tanàna telo amby roa-polo tao amin'ny tanin'i Gileada. 23 Nalain'i Gesora sy Arama ny renivohitr'i Jaira sy Kenata, mbamin'ireo renivohitra enim-polo manodidina. Samy taranak'i Makira, rain'i Gileada avokoa ireo mponina rehetra ireo. 24 Taorian'ny nahafatesan'i Hezrona, dia nandry niaraka tamin'i Efrata, vadin'i Hezrona rainy i Kaleba. Niteraka an'i Asora, rain'i Tekoa taminy izy. [1]25 Ary ireo zanaka lahin'i Jeramela, ilay lahimatoan'i Hezrona, dia i Rama ilay lahimatoa, Bona, Orena, Ozema, ary Ahia. 26 Mbola nanana vady hafa koa i Jeramela, izay Atara no anarany. Izy no renin'i Onama. 27 Ireo zanaka lahin'i Rama, ilay lahimatoan'i Jeramela, dia i Maza, Jamina, ary Ekera. 28 Samay sy Jada no zanaka lahin'i Onama. Nadaba sy Abisora no zanaka lahin'i Samay. 29 Ny anaran'ny vadin'i Abisora dia Abihaila, ary niteraka an'i Abana sy Molida taminy izy. 30 Saleda sy Apaima no zanaka lahin'i Nadaba, fa i Saleda kosa dia maty tsy nanan-janaka. Jisy no zanaka lahin'i Apaima. 31 Sesana no zanaka lahin'i Jisy. Ahelay no zanaka lahin'i Sesana. 32 Ireo zanaka lahin'i Jada, rahalahin'i Samay, dia Jatera sy Jonatana. Maty tsy nanan-janaka i Jatera. 33 Paleta sy Zaza no zanaka lahin'i Jonatana. Ireo no taranak'i Jeramela. 34 Ary Sesana tsy nanan-janaka lahy, fa zanaka vavy ihany. Nanana mpanompo i Sesana, izay Egyptiana, Jara no anarany. 35 Nomen'i Sesana ho an'i Jara mpanompony ny zanany vavy mba ho vadiny. Niteraka an'i Atahy taminy izy. 36 Atahy niteraka an'i Natana, ary Natana niteraka an'i Zabada. 37 Zabada niteraka an'i Efiala, ary Efiala niteraka an'i Obeda. 38 Obeda niteraka an'i Jeho, ary Jeho niteraka an'i Azaria. 39 Azaria niteraka an'i Haleza, ary Haleza niteraka an'i Elasa. 40 Elasa niteraka an'i Sismay, ary Sismay niteraka an'i Saloma. 41 Saloma niteraka an'i Jekamia, ary Jekamia niteraka an'i Elisama. 42 Ireo zanaka lahin'i Kaleba, rahalahin'i Jeramela, dia Mesa lahimatoany, izay razamben'ny any Zifa. Ny zanany lahy faharoa, Maresa, no razamben' ny any Hebrona. 43 Kora, Tapoa, Rakema, ary Sema no zanaka lahin'i Hebrona. 44 Sema niteraka an'i Rahama, rain'i Jorkeama. Rakema niteraka an'i Samay. 45 Maona no zanaka lahin'i Samay, ary Maona no razamben'i Beti-zora. 46 Efaha, vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Harana, Moza, ary Gazeza. Ary Harana niteraka an'i Gazeza. 47 Ragema, Jotama, Gesana, Paleta, Efaha, ary Safa no zanaka lahin'i Jeday. 48 Maka, vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Sabera sy Tirana. Niteraka an'i Safa raamben'ny any Madmana, Seva razamben'ny any Makbena sy razamben'ny any Gibea ihany koa izy. 49 Ny zanaka vavin'i Kaleba dia i Aksa. Ireo no taranak'i Kaleba. 50 Ireto avy ny zanaka lahin'i Hora, lahimatoany avy tamin'i Efrata: Sobala razamben'ny any Kiriata-Jearima, 51 Salma razamben'i Betlehema, ary Harefa razamben'ny any Beti-gadera. 52 Sobala razamben'ny any Kiriata Zarima dia nanana taranaka: Haroe, ny antsasaky ny vahoaka Hamenakota, 53 ary ireo fokon'i Kiriata Zarima: dia ireo Jitrita, Potita, Somatita, ary Misraita. Ireo Zoraita sy Estaolita dia taranaka avy amin'izy ireo. 54 Ireto manaraka ireto ny fokon'i Salma: Betlehema, ireo Netofatita, Atrota Beti-Joaba, ary ny antsasak'ireo Hamanatita—ireo Zoraita, 55 ireo fokon'ireo mpanora-dalàna izay nonina tany Jabeza dia: ireo Tiratita, Simeatita, ary ny Sokatita. Ireo no Kenita izay taranaka avy tamin'i Hamata, razamben'ireo Rekabita.
Ireo no anaran'ny olona
Ity no anaran'Andriamanitra izay nambara tamin'ny vahoakany tao amin'ny Testamenta Taloha.
"niteraka ireo zanany Fareza sy Zera"
"zanaka lahy 5"
Dikan-teny Hafa: "arak'i Yaveh"
Izany dia midika fa namela an'i Yaveh ho vonona i Era.
vinanto - manambara an'ilay vadin'ny zanany lahy.
"ilay zanaka faharoa ... ilay zanaka fahatelo"
Izany dia midika fa Jitra dia taranak'Ismaela iray.
Dikan-teny hafa: "niteraka an'i"
Dikan-teny hafa: "niteraka an'i"
Dikan-teny hafa: "niteraka an'i"
Anaram-behivavy ity.
Dikan-teny hafa: "niteraka an'i"
Ny dikan-teny samihafa dia mahatakatra ny fifandraisana eo amin'ireo olona ireo amin'ny fomba samihafa. Ny mpandikan-teny sasany dia mino fa "Ilay rain'i Hebrona ... ilay rain'i Rahama, ilay rain'i Jorkeama ... ilay rain'i Samay" midika hoe: "ilay mpanorina ny fianakaviamben'ny Hebrona," sns. Ny dikan-teny sasany dia mety mampiasa izany fandikana izany.
"niteraka an'i"
Ireo no anaran'ireo foko.
Ireo no anaran'ny foko.
1 Ary ireto avy ny zanaka lahin'i Davida izay naterany tany Hebrona: Amnona no lahimatoa, zanak'i Ahinoama avy any Jezirela; Daniela no faharoa, zanak'i Abigaila avy any Karmela; 2 Absaloma, zanak'i Maka, zanaka vavin'i Talmay mpanjakan'i Gesora no fahatelo. Adonia zanaka lahin'i Hagita no fahefatra; 3 Sefatia zanaka lahin'i Abitala no fahadimy; Jitreama zanaka lahin'i Egla vadiny no fahenina. 4 Ireo enina ireo no naterak'i Davida tao Hebrona, izay nanjakany nandritry ny fito taona sy enim-bolana. Avy eo izy nanapaka nandritry ny telo amby telo-polo taona tao Jerosalema. 5 Ireto zazalahy efatra ireto, izay avy amin'i Batsoa zanaka vavin'i Amiela, dia naterany tany Jerosalema: Simea, Sobaba, Natana, ary Solomona. [1]6 Ireo zanaka lahin'i Davida sivy hafa dia: Jibara, Elisama, Elifeleta, [2]7 Noga, Nafega, Jafia, 8 Elisama, Eliada, ary Elifeleta. 9 Ireo no zanaka lahin'i Davida, tsy ao anatin'izany ireo zanany avy tamin'ireo vaditsindranony. Tamara no anabavin'izy ireo. 10 Rehoboama no zanaka lahin'i Solomona. Abia no zanaka lahin'i Rehoboama. Asa no zanaka lahin'i Abia. 11 Josafata no zanaka lahin'i Asa. Jehorama no zanaka lahin'i Josafata. Ahazia no zanaka lahin'i Jehorama. Joasy no zanaka lahin'i Ahazia. 12 Amazia no zanaka lahin'i Joasy. Azaria no zanaka lahin'i Amazia. Jotama no zanaka lahin'i Azaria. 13 Ahaza no zanaka lahin'i Jotama. Hezekia no zanaka lahin'i Ahaza. 14 Manase no zanaka lahin'i Hezekia. Amona no zanaka lahin'i Manase. Josia no zanaka lahin'i Amona. 15 Johanana no zanak'i Josia lahimatoa, Joiakima no faharoa, Zedekia no fahatelo, ary Saloma no fahefatra. 16 Jekonia sy Zedekia no zanaka lahin'i Joiakima. 17 Ireo zanaka lahin'i Jekonia, ilay babo, dia Sealtiela, 18 Malkirama, Pedaia, Senazara, Jekamia, Hosama, ary Nedabia. 19 Zerobabela sy Simey no zanaka lahin'i Pedaia. Mesolama sy Hanania no zanaka lahin'i Zerobabela; Selomita no anabavin'izy ireo. 20 Ireo zanany lahy dimy hafa dia Hasoba, Ohela, Berekia, Hasadia, ary Josaba-heseda. 21 Ireo zanaka lahin'i Hanania dia Pelatia sy Jisaia. Rafaia no zanany lahy, ary Arnana, Obadia, sy Sekania no taranaka bebe kokoa. 22 Semaia no zanaka lahin'i Sekania. Hatosy, Jigala, Baria, Nearia, ary Safata no zanaka lahin'i Semaia. 23 Ireo zanaka lahin'i Nearia telo dia Elioenay, Hezekia, ary Azrikama. 24 Ireo zanaka lahin'i Elioenay fito dia Hodaia, Eliasiba, Pelaia, Akoba, Johanana, Delaia, ary Anany.
Davida dia zanaka lahin'i Jese, izay taranak'i Joda.
Ireo no anaran'ireo vehivavy.
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
Ity lehilahy ity dia mitovy anarana toy ny Israelita mpaminany nefa olona hafa.
"Eglah, vadin'i Davida. "Nanana vady mihoatra ny iray i Davida. DH: "Egla vadin'i Davida"
Izany dia afaka adika ihany koa toy ny fehezanteny misaraka iray: "Nanjaka fito taona sy enim-bolana teo i Davida."
telo taona - "33 taona"
Anaran-dehilahy ireo.
Anaran'dehilahy ireo.
Ireo anarana ireo dia ampiasaina ho an'ny zanaka lahy roa.
Ity no fanombohanan'ny lisitrin'ny taranak'i Davida izay lasa mpanjaka.
Nanan-janaka mihoatra ny iray i Solomona. Samy marina ireo lehilahy hafa ireo ao amin'ny lisitra. DH: " Solomona no rain'i Rehoboama. Rehoboama no rain'i Abia.
Ity dia anaran'i Ozia hafa, ilay anarana fata-daza ho an'ny mpanjakany. Ny mpandika teny dia afaka manapa-kevitra ny hampiasa "Ozia" na aiza na aiza ho an'ny mpanjakany.
Ity dia manohy ny lisitrin'ny taranak'i Davida izay lasa mpanjaka. Avy amin'ireo fehezanteny ireo araka ny nataonao nanomboka tao amin'ny 3:10.
ity dia anarana lehilahy iray.
Ity dia manohy ny lisitry ny taranak'i Davida izay lasa mpanjaka. Avy amin'ireo fehezanteny ireo araka ny nataonao Nanomboka tao amin'ny 3:10.
Anarana lehilahy ireo
Ity dia afaka atao lohateny iray izay nomena an'i Jekonia satria lasan-ko babo izy. Kanefa, ny dikan-teny sasany mandika ilay teny ho hoe "Asira," ilay anaran'ny iray amin'ireo zanany lahy.
Ireo no anaran-dehilahy.
ireo dia anaran-dehilahy.
Ity dia anaram-behivavy.
Ity lehilahy ity dia manana anarana mitovy tahaka ny mpaminany Obadia nefa olona samihafa.
Ny dikan-teny samihafa dia mametraka ireo olona ireo amin'ny fifandraisana samihafa amin'ny tsirairay, satria tsy mazava ny Hebreo momban'izy ireo.
Ireo dia anaran-dehilahy.
1 Ireo taranak'i Joda dia Fareza, Hezrona, Karmy, Hora, ary Sobala. 2 Sobala no rain'i Reaia. Reaia no rain'i Jahata. Jahata no rain'i Ahomay sy Lahada. Ireo no razamben'ny fokon'ireo Zoraita. 3 Ireto avy ireo razamben'ireo foko tao amin'ny tanànan'i Etama: Jezirela, Jisma, ary Jidbasy. Hazelelpony no anaran'ny anabavin'izy ireo. 4 Penoela no razamben'ny foko tao amin'ny tanànan'i Gedora. Ezera no fiantombohan'ireo foko tao Hosa. Ireo no taranak'i Hora, ilay lahimatoan'i Efrata sy razamben'ny any Betlehema. 5 Asora razamben'ny any Tekoa dia nanana vady roa, Hela sy Nara. 6 Nara niteraka an'i Ahozama, Hafera, Temeny ary Hahastary. Ireo no zanaka lahin'i Nara. 7 Ireo zanaka lahin'i Hela dia Zareta, Jizara, Etnana 8 ary Hakoza, izay niteraka an'i Anoba sy Zobeba, sy ny foko avy amin'ny taranak'i Aharela zanaka lahin'Haroma. 9 Jabeza dia voahaja kokoa noho ireo rahalahiny. Jabeza no niantsoan'ny reniny azy. Hoy izy hoe: "Satria tamin'ny fanaintainana no niterahako azy." 10 Niantso an'ilay Andriamanitry ny Israely i Jabeza ary niteny hoe: "Raha hitahy ahy tokoa Ianao, dia hitaro ny fari-taniko, ary ny tananao homba ahy. Rehefa manao izany Ianao dia hiaro ahy amin'ny ratsy, mba ho afaka amin'ny fanaintainana aho!" Koa dia notanterahin'Andriamanitra ny fivavany. 11 Keloba rahalahin'i Soha niteraka an'i Mehira, izay rain'i Estona. 12 Estona niteraka an'i Betirafa, Pasea, ary Tehina, izay nanorina ny tanànan'i Ir-nahasa. Ireo avy ireo olona nonina tao Reka. 13 Ireo zanaka lahin'i Kenaza dia Otniela sy Seraia. Ireo zanaka lahin'i Otniela dia Hatata sy Meonotahy. [1]14 Meonotahy niteraka an'i Ofra, ary Seraia niteraka an'i Joaba, ilay niantombohan'ny lohasahan'ny mpiasa, izay mpanao asa-tanana ny vahoakany. 15 Ireo zanaka lahin'i Kaleba zanaka lahin'i Jefone dia Iro, Elaha sy Nama. Ny zanaka lahin'i Elaha dia Kenaza. 16 Ireo zanaka lahin'i Jehalalila dia i Zifa, Zifaha, Tiria ary Asarela. 17 Ireo zanaka lahin'i Ezra dia i Jatera, Mareda, Efera ary Jalona. Ilay Egyptiana vadin'i Mareda dia niteraka an'i Miriama, Samay ary Jisba, izay razamben'ny any Estemoa. Ireo no zanaka lahin'i Bitia, zanaka vavin'i Farao, izay novadian'i Mareda. 18 Ilay Jiosy vadin'i Mareda dia niteraka an'i Jareda, izay niteraka an'i Gedora; Hebera, izay niteraka an'i Soko; ary Jakotiela izay niteraka an' i Zanoa. 19 Ny amin'ireo zanaka roa lahin'ny vadin'i Hodia, anabavin'i Nahama, ny iray dia niteraka an'i Keila ilay Garmita. Ilay hafa dia Estemoa ilay Makatita. 20 Ireo zanaka lahin'i Simona dia i Amnona, Rina, Ben-hanana, ary Tilona. Ireo zanaka lahin'i Jisy dia i Zoheta sy Ben-zoheta. 21 Ireo taranak'i Sela zanaka lahin'i Joda dia Era rain'i Leka, Lada rain'i Maresa sy ireo fokon'ireo mpanao rongony fotsy madinika tany Asbea, 22 Jokima, ireo vahoakan'i Kozeba, ary Joasy sy Sarafa, izay nanana fananana tao Moaba, nefa niverina tany Betlehema. (Avy amin'ireo raki-tsoratra taloha io fampahafantarana io). 23 Ny sasany tamin'ireo olona mpanefy tanimanga ireo dia nonina tao Netaima sy Gadera ary niasa ho an'ny mpanjaka. 24 Ireo taranak'i Simeona dia Nemoela, Jamina, Jariba, Zera ary Saoly. 25 Saloma no zanaka lahin'i Saoly, Mibsama no zanaka lahin'i Saloma, ary Misma no zanaka lahin'i Mibsama. 26 Ireo taranak'i Misma dia i Hamoela zanany lahy, Zakora zafiny, ary Simey zafiafiny. 27 Simey dia nanana zanaka lahy enina ambin'ny folo ary zanaka vavy enina. Ny rahalahiny dia tsy nanana zanaka maro, ka tsy nitombo tahaka ny vahoakan'i Joda ny isan'ireo fokony. 28 Nonina tao Beri-sheba, Molada, sy tao Hazara-soala izy ireo. 29 Nonina tao Bila, Ezema sy Tolada, 30 Betoela, Horma sy Ziklaga, 31 Beti-markabota, Hazora-sosima, Beti-biry ary Saraima ihany koa izy ireo. Ireo no tanànan'izy ireo mandra-panjakàn' i Davida. 32 Ireo tanàna dimin'izy ireo dia Etama, Aina, Rimona, Tokena, ary Asana, 33 niaraka tamin'ireo tanàna manodidina hatrany Bala. Ireo no fonenan'izy ireo, ary izy ireo no nihazona ny tahirin'ny tetiarana. 34 Ireo mpitarika ny foko dia i Mesobaba, Jamleka, Josa zanaka lahin'i Amazia, 35 Joela, Jeho zanaka lahin'i Josibia zanaka lahin'i Seraia zanaka lahin'i Asiela, 36 Elioenay, Jakoba, Jesohaia, Asaia, Adiela, Jesimiela sy Benaia, 37 ary Ziza zanaka lahin'i Sify zanaka lahin'i Alona zanaka lahin'i Jedaia zanaka lahin'i Simry zanaka lahin'i Semaia. 38 Ireo anarana voatonona ireo no mpitarika tao amin'ny fokon'izy ireo, ary nitombo maro ireo fokony. 39 Nankany akaikin'i Gedora izy ireo, tany amin'ny ilany atsinanan'ny lohasaha, mba hitady ahitra ho an'ny ondry aman'osin'izy ireo. 40 Nahita ahitra maro sady tsara izy ireo. Nalalaka, nangingina, ary nilamina ilay tany. Efa nonina tao ireo Hamita tany aloha. 41 Ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tamin'ny andron'i Hezekia mpanjakan'i Joda, ka nanafika ny fonenan'i Hamita sy ireo Meonita, izay tao ihany koa. Naringan'izy ireo tanteraka izy ireo ary nonina tao satria nahita ahitra ho an'ireo ondry aman'osiny izy ireo. 42 Nisy lehilahy diman-jato avy tamin'ny fokon'i Simeona nankany amin'ny tendrombohitra Seira, niaraka tamin'ireo mpitarik'izy ireo dia i Peletia, Nearia, Refaia, ary Oziela zanaka lahin'i Jisy. 43 Nandresy ny sisa afaka tamin'ny Amalekita izy ireo, ka nonina tao mandrak'androany.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ity vondron'olona ity dia notendrena taorian'ny tanànan'i Zora izay nonenany.
Izany dia manambara ireo lisitra tao amin'ny andininy teo aloha. Kanefa, ny dikan-teny sasany dia mandika ireo anarana ireo mijoro amin'ny fifandraisan'ny ray sy ny zanaka. amin'izany fombaizany ihany, ny dikan-teny sasany dia mandika an'i Penoela toy ny rain'i Gedora, fa tsy toy ny mpamorona ny fokon'i Gedora.
Ireo dia anaran-tanàna.
Anaran-dehilahy ireo.
Ity dia anaram-behivavy.
"Penoela sy Ezera doia taranak'i Hora." Ity hevitra ity dia mialoha ny lisitra izay manaraka.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia takatra toy ny anaran-dehilahy eto. Kanefa, ny dikan-teny sasany dia mahatakatra izany toy ny anaran'ny foko izay izay nanomboka tamin'ny alalan'ny Ahasora.
Ireo dia anaram-behivavy.
DH: "Niteraka ny zanany lahy"
Ny fehezanteny iray dia afaka manomboka eto. DH: "Hakoza ihany koa dia lasa razamben'i Haroma sy ire foko izay avy any amin'ny taranak'i Haroma zanaka lahin'i Aharela"
Anaran-dehilahy ity.
DH: "omeo tany maro aho"
Ireo mety ho dikany dia ny tanan'Andriamanitra dia maneho 1) ny tari-dalany, 2) ny heriny, na 3) ny fiarovany. DH: "tario aho" na "Hambino aho" na "arovy aho." Izany dia afaka adika amin'ny ankapobeny kokoa hoe: "miaraha amiko"
"natao arakin'ny fivavany"
Ireo dia anaran-dehilahy
"Tehina, ilay nanorina ny tanànan'i Ir-nahasa
Ity dia anaran'ny tanàna iray
Ity dia anarana toerana iray.
Mety hanampy ny mamorona elanelany ny andininy ary mametraka ny andininy 15 miaraka amin'ny andininy 13 rehefa satria lasa taranak'i Jefona sy Kaleba i Kenazy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
olona manam-pahaizana amin'ny fanamboarana na fanorenana zavatra.
Ny fampahafantarana ao amin'ny 4:17 dia efa novaina ka izany dia midika fa mety mora takatra ny dikany.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ny teny hoe "ireo" dia manambara an'i Miriama, Samay, ary Jisba. Izy ireo dia zanak'i Bitia nateraka ho an'ny Mareda vadiny.
Anaram-behivavy ity
Ny lahatsoratra Hebreo milaza: "Ny vadiny Jiosy," nefa ny akamaron'ny dikanteny dia mahatakatra ny hoe "-ny" dia milaza an'i Mareda. Izany dia manambara an'ireo vady samihafan'i Mareda, fanampin'izany i Bitia.
Anaran-dehilahy ireo.
Olona avy amin'ny vondron'olona Gara.
Olona avy amin'ny faritr'i Maka.
Anaran-dehilahy ireo.
karazan-damba
olona manamboatra tavy amin'ny tanimanga
Anaran-tanàna ireo.
Ireo no anaran-dehilahy
ny zanaka lahin'ny zanak'olona iray.
zafy - ny zanaka lahin'ny zafin'ny olona iray na zanaka vavin'ny zafin'ny olona iray.
"zanaka lahy 16 sy zanaka vavy 6"
Ireo dia anaran-tanàna.
Fitohizan'ny lisitrin'ny tanàna izay nonenan'ny taranak'i Simeona.
Ireo no anaran-tanàna.
Fitohizan'ny lisitrin'ny tanàna izay nonenan'ny taranak'i Simeona.
Ireo no anaran-tanàna.
lavitra amin'ny mponina lehibe
Anaran-tanàna ity.
Ireo dia anaran-dehilahy.
"ireo lehilahy voatonona ireo no mpitarika"
"nihamaro be isan'ny olona ao amin'ny fokon'izy ireo"
Anaran-tanàna ity
Toeran'ny tany iray izay hihinan'ny biby bozaka
maro be
taranak'i Hama
anaram-bondron'olona ity. DH: "taranak'i Meona"
"lehilahy 500"
Ireo dia anaran'olona.
"ireo sisa tavela amin'ireo Amalekita"
Olona izay terena handao ny tanànan'izy ireo.
1 Ireo zanaka lahin'i Robena ilay lahimatoan'Israely— ary Robena no lahimatoan'Israely, kanefa nomena an'ireo zanaka lahin'i Josefa zanaka lahin'Israely ny fizokiany satria nandoto ny fandrian-drainy i Robena. Ka dia tsy voasoratra ho zanaka lahy zokiny indrindra izy. 2 Joda no natanjaka indrindra tamin'ireo rahalahiny, ary avy aminy no niavian'ny mpitarika. Kanefa ny fizokiana dia an'i Josefa— 3 ireo zanaka lahin'i Robena, ilay lahimatoan'Israely dia i Hanoka, Palo, Hezrona, ary Karmy. 4 Ireto avy ny taranak'i Joela: ny zanaka lahin'i Joela dia i Semaia. 5 Ny zanaka lahin'i Semaia dia i Goga. Ny zanaka lahin'i Goga dia i Simei. Ny zanaka lahin'i Simei dia i Mika. Ny zanaka lahin'i Mika dia i Reaia. Ny zanaka lahin'i Reaia dia i Bala. 6 Ny zanaka lahin'i Bala dia i Bera, ilay nalain'i Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria ho babo. Bera dia mpitarika tao amin'ny fokon'i Robena. 7 Ireto manaraka ireto ny havan'i Bera avy amin'ireo fokony, izay voatanisa ao amin'ny tahirin'ny tetiaran'izy ireo: Jeiela no zokiny indrindra, Zakaria, sy 8 Bela zanaka lahin'i Azaza zanaka lahin'i Sema zanaka lahin'i Joela. Nonina tany Aroera, hatrany Nebo ary Balameona, 9 ary miantsinana manomboka eo amin'ny efitra izay mihitatra hatrany amin'ny renirano Efrata izy ireo. Izany dia satria nanana biby fiompy maro teo amin'ny tanin'i Gileada izy ireo. 10 Tamin'ny andron'i Saoly, dia nanafika an'ireo Hagrita ny fokon'i Robena ary nandresy azy ireo. Nonina tao amin'ny lain'ireo Hagrita nanerana ny tany rehetra tany antsinanan'i Gileada izy ireo. 11 Nonina teo akaikin'izy ireo ny mpikambana tao amin'ny fokon'i Gada, teo amin'ny tany Basana hatrany Saleka. 12 Ny mpitarika azy ireo dia i Joela, izay lehiben'ny foko, ary Safama no lehiben'ny foko hafa, ary Janay sy Safata tany Basana. 13 Ireo havan'izy ireo, avy amin'ireo fianakavian-drainy, dia i Mikaela, Mesolama, Seba, Joray, Jakana, Zia, ary Ebera— fito ny fitambarany. 14 Ireo olona voalaza anarana eo ambony ireo no taranak'i Abihaila, ary Abihaila dia zanaka lahin'i Hory. Hory dia zanaka lahin'i Jaroa. Jaroa dia zanaka lahin'i Gileada, Gileada dia zanaka lahin'i Mikaela. Mikaela dia zanaka lahin'i Jesisay. Jesisay dia zanaka lahin'i Jado. Jado dia zanaka lahin'i Boza. 15 Ahia zanaka lahin'i Abdiela zanaka lahin'i Gony, no loham-pianakavian'ny rain'izy ireo. 16 Nonina tao Gileada, tany Basana, tao amin'ny renivohiny izy ireo, ary tao amin'ny tany fihinanam-bilon'i Sarona rehetra hatrany amin'ny sisin-taniny. 17 Ireo rehetra ireo dia voatanisa araka ny tahiry tetiarana tamin'ny andron'i Jotama mpanjakana'i Joda sy tamin'i Jeroboama mpanjakan'Israely. 18 Ireo Robenita, ireo Gadita, ary ny antsasaky ny fokon'i Manase dia nanana miaramila efatra arivo sy efatra alina voahofana ho amin'ny ady, izay nitàna ampinga sy sabatra, ary nanenjana ny tsipìka. 19 Nanafika an'ireo Agarita, Jetora, Nafisy, ary Nodaba izy ireo. 20 Nandray fanampiana avy tamin'Andriamanitra izy ireo mba hamelezana azy ireo. Tamin'izany fomba izany, no naharesy ireo Agarita sy izay rehetra niaraka tamin'izy ireo. Izany dia satria nitalaho tamin'Andriamanitra tany an'ady ny Israelita, ary namaly azy ireo Izy, satria nametraka ny fitokisany taminy izy ireo. 21 Nosamborin'izy ireo ny biby fiompiny, anisan'izany ny rameva dimy alina, ondry aman'osy 250. 000, boriky roa arivo, ary lehilahy 100. 000. 22 Satria Andriamanitra niady ho azy ireo, dia novonoin'izy ireo ny ankamaroan'ireo fahavalo. Nonina tao amin'ny taniny izy ireo mandra-pahatongan'ny fanababoana. 23 Nonina teo amin'ny tany Basana hatrany Bala Hermona sy Senira (Tendrombohitra Hermona izany) ny antsasaky ny fokon'i Manase. 24 Ireto avy ny mpitarika ny fianakavian'izy ireo: Efera, Jisy, Eliala, Azriela, Jeremia, Hodavia, ary Jadiela. Izy ireo dia lehilahy mahery sy be risi-po, lehilahy malaza, mpitarika ny fianakavian'izy ireo. 25 Kanefa tsy nahatoky ny Andriamanitr'ireo razambeny izy ireo. Fa kosa, nanompo ny andriamanitr'ireo vahoakan'ny tany, izay efa noravan'Andriamanitra teo anatrehan'izy ireo. 26 Ilay Andriamanitr'Israely namporisika an'i Pola mpanjakan'i Asyria (antsoina ihany koa hoe Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria). Nalefany sesi-tany ireo Robenita, Gadita, ary ny antsasaky ny fokon'i Manase. Nentiny tany Hala, Habora, Hara, ary tany amin'ny reniranon'i Gozana izy ireo, izay hitoeran'izy ireo mandrak'androany.
ny teny hoe "ary" eto dia ampiasaina hanamarihana ny fiovana amin'ny lisitry ny taranaka amin'ny fampahafantarana fototra momba an'i Robena.
"Fa i Israely nanome ny fizokian'i Robena an'ireo zanaka lahin'i Josefa, hafa amin'ireo zanak'Israely"
Ity no fahalalam-pomba amin'ny fitenenana momba ny fiaraha-mandrin'ny Robena amin'ny vady faharoan'ny ray. Ny fandriana dia toerana izay iarahan'ny lehilahy sy ny vadiny mandry.
"Koa dia tsy milaza an'i Robena ho zanaka lahy antitra indrindra ny tantaran'ny fianakaviana"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Izany dia afaka manomboka fehezanteny iray hoe: "Ny tahirin'ny tetiaran'izy ireo dia mitanisa an'izy ireo oe"
firaiketana an-tsoratra izay mampiseho fa mifandraika ny tsirairay ao amin'ny fianakaviana
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-tanàna.
Anaram-bondron'olona ity
Anaran-tanàna ity
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
DH: " Nonina ny fokon'i Gada"
toeran'ny tany izay hihinanan'ny biby bozaka
DH: "Mitanisa azy rehetra ny tahiry tetiarana" na "Nitanisa azy rehetra ireo Ny tahirin'ireo fianakavian'ny razambe"
Tsy mazava ny fomba hanambaran'ny olona teo aloha izany.
Izany dia manambara ireo olona avy any amin'ny fokon'ny Reobena.
Izany dia manambara ireo olona avy any amin'ny fokon'i Gada.
miaramila efatra arivo sy efatra alina - "miaramila 44,000"
Ireo miaramila dia faritana ho manam-pahaizana amin'ny ady amin'ny alalan'ny fitaovam-piadiana izay entin'izy ireo. DH : "Nampiofanina mba hiady tsara amin'ny ady izy rehetra."
Ireo dia anarana vondron'olona.
DH : "Nivavaka nangataka fanampiana tam-pitiavana tamin'Andriamanitra ireo Israelita"
DH: "Nosamborin'ireo Israelita ireo Hagrita"
"rameva 50,000"
"boriky 2,000"
Ny fanampian'Andriamanitra amin'ny ady dia faritana toy ny miaramila iray izay niady tany amin'ny ady. DH: "Satria Andriamanitra nanampy azy ireo"
Ireo dia anaran-tendrombohitra.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy
Ireo dia anarana vondron'olona.
Ireo dia anaran-tanàna.
Anarana renirano ity.
1 Ireo zanaka lahin'i Levy dia i Gersona, Kehata, ary Merary. 2 Ireo zanaka lahin'i Kehata dia i Amrama, Jizara, Hebrona, ary Oziela. 3 Ireo zanak'i Amrama dia i Arona, Mosesy ary Miriama. Ireo zanaka lahin'i Arona dia Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara. 4 Eleazara niteraka an'i Finehasa, ary Finehasa niteraka an'i Abisoa. 5 Abisoa niteraka an'i Boky, ary Boky niteraka an'i Ozy. 6 Ozy niteraka an'i Zerahia, ary Zerahia niteraka an'i Meraiota. 7 Meraiota niteraka an'i Amaria, ary Amaria niteraka an'i Ahitoba. 8 Ahitoba niteraka an'i Zadoka, ary Zadoka niteraka an'i Ahimaza. 9 Ahimaza niteraka an'i Azaria, ary Azaria niteraka an'i Johanana. 10 Johanana niteraka an'i Azaria, izay nanompo tao amin'ny tempoly izay namboarin'i Solomona tany Jerosalema. 11 Azaria niteraka an'i Amaria, ary Amaria niteraka an'i Ahitoba. 12 Ahitoba niteraka an'i Zadoka, ary Zadoka niteraka an'i Saloma. 13 Saloma niteraka an'i Hilkia, ary Hilkia niteraka an'i Azaria. 14 Azaria niteraka an'i Seraia, ary Seraia niteraka an'i Jozadaka. 15 Lasa babo i Jozadaka rehefa nataon'i Yaveh sesi-tany tamin'ny tanan'i Nebokadnezara i Joda sy Jerosalema. 16 Ireo zanaka lahin'i Levy dia i Gersona, Kehata, ary Merary. 17 Ireo zanaka lahin'i Gersona dia i Libny sy Semey. 18 Ireo zanaka lahin'i Kehata dia i Amrama, Jizara, Hebrona, ary Oziela. 19 Ireo zanaka lahin'i Merary dia i Maly sy Mosy. Lasa fokon'i Levita avy amin'ireo fianakavian-drainy izy ireo. 20 Ireo taranak'i Gersona dia nanomboka tamin'i Libny zanany lahy. Ny zanaka lahin'i Libny dia i Jahata. Ny zanany lahy dia i Zima. 21 Ny zanany lahy dia i Joa. Ny zanany lahy dia i Ido. Ny zanany lahy dia i Zera. Ny zanany lahy dia i Jeateray. 22 Ireo taranak'i Kehata dia nanomboka tamin'i Aminadaba zanany lahy. Ny zanany lahy dia i Kora. Ny zanany lahy dia i Asira. 23 Ny zanany lahy dia i Elkana. Ny zanany lahy dia i Ebiasafa. Ny zanany lahy dia i Asira. 24 Ny zanany lahy dia i Tahata. Ny zanany lahy dia i Oriela. Ny zanany lahy dia i Ozia. Ny zanany lahy dia i Saoly. 25 Ireo zanaka lahin'i Elkana dia i Amasay, Ahimota, ary Elkana. 26 Ny zanaka lahin'ity Elkana faharoa ity dia i Zofay. Ny zanany lahy dia i Nahata. 27 Ny zanany lahy dia i Eliaba. Ny zanany lahy dia i Jerohama. Ny zanany lahy dia i Elkana. 28 Ireo zanaka lahin'i Samoela, dia i Joela lahimatoa, ary Abia, no faharoa. 29 Ny zanaka lahin'i Merary dia Maly. Ny zanany lahy dia Libny. Ny zanany lahy dia Semey. Ny zanany lahy dia Oza. 30 Ny zanany lahy dia Simea. Ny zanany lahy dia Hagia. Ny zanany lahy dia Asaia. 31 Ireto avy ireo anaran'ireo lehilahy izay nataon'i Davida hiandraikitra ny zava-maneno tao an-tranon'i Yaveh, tao aorian'ny nijanonan'ny fiara tao. 32 Nanompo tamin'ny fihirana nanoloana ny tabernakely, ilay trano lay fihaonana izy ireo, mandra-pahavitan'i Solomona ny tranon'i Yaveh tany Jerosalema. Nahatanteraka ny adidiny nifanaraka tamin'ireo toromarika izay nomena azy izy ireo. 33 Ireto avy ireo izay nanompo niaraka tamin'ireo zanany lahy. Avy amin'ny fokon'ny Kehatita i Hemana mpitendry zava-maneno. Ireto avy ireo razambeny, miverina araka ny fotoana: Hemana no zanaka lahin'i Joela. Joela no zanaka lahin'i Samoela. 34 Samoela no zanaka lahin'i Elkana. Elkana no zanaka lahin'i Jerohama. Jerohama no zanaka lahin'i Eliala. Eliala no zanaka lahin'i Toa. 35 Toa no zanaka lahin'i Zofa. Zofa no zanaka lahin'i Elkana. Elkana no zanaka lahin'i Mahata. Mahata no zanaka lahin'i Amasay. Amasay no zanaka lahin'i Elkana. 36 Elkana no zanaka lahin'i Joela. Joela no zanaka lahin'i Azaria. Azaria no zanaka lahin'i Zefania. 37 Zefania no zanaka lahin'i Tahata. Tahata no zanaka lahin'i Asira. Asira no zanaka lahin'i Ebiasafa. Ebiasafa no zanaka lahin'i Kora. 38 Kora no zanaka lahin'i Jizara. Jizara no zanaka lahin'i Kehata. Kehata no zanaka lahin'i Levy. Levy no zanaka lahin'Israely. 39 Asafa no mpiara-miasa tamin'i Hemana, izay nitsangana teo amin'ny tanany an-kavanana. Asafa no zanaka lahin'i Berekia. Berekia no zanaka lahin'i Simea. 40 Simea no zanaka lahin'i Mikaela. Mikaela no zanaka lahin'i Beseia. Beseia no zanaka lahin'i Malkia. 41 Malkia no zanaka lahin'i Etny. Etny no zanaka lahin'i Zera. Zera no zanaka lahin'i Adaia. 42 Adaia no zanaka lahin'i Etana. Etana no zanaka lahin'i Zima. Zima no zanaka lahin'i Simey. 43 Simey no zanaka lahin'i Jahata. Jahata no zanaka lahin'i Gersona. Gersona no zanaka lahin'i Levy. 44 Teo amin'ny tanana an-kavian'i Hemana ireo zanaka lahin'i Merary izay mpiara-miasa taminy. Anisan'izany i Etana zanaka lahin'i Kisy. Kisy dia zanaka lahin'i Abdia. Abdia no zanaka lahin'i Maloka. 45 Maloka no zanaka lahin'i Hasabia. Hasabia no zanaka lahin'i Amazia. Amazia no zanaka lahin'i Hilkia. 46 Hilkia no zanaka lahin'i Amzy. Amzy no zanaka lahin'i Bany. Bany no zanaka lahin'i Samera. 47 Samera no zanaka lahin'i Maly. Maly no zanaka lahin'i Mosy. Mosy no zanaka lahin'i Merary. Merary no zanaka lahin'i Levy. 48 Ireo mpiara-miasa amin'izy ireo, ireo Levita, dia voatendry hanao ny asa rehetra ho an'ny tabernakely, ilay tranon'Andriamanitra. 49 Arona sy ireo zanany lahy no nanao ny fanatitra teo amin'ny alitara ho an'ny fanatitra dorana; sy ny fanatitra teo amin'ny alitaran'ny ditin-kazo manitra ho an'ny asa rehetra eo amin'ny toerana masina indrindra. Ireo fanatitra ireo no nanaovana fanavotana ho an'Israely, araka izay rehetra nandidin'i Mosesy ilay mpanompon'Andriamanitra. 50 Ireo taranak'i Arona dia voatanisa toy izao manaraka izao: ny zanaka lahin'i Arona dia Eleazara. Ny zanaka lahin'i Eleazara dia Finehasa. Ny zanaka lahin'i Finehasa dia Abisoa. 51 Ny zanaka lahin'i Abisoa dia Boky. Ny zanaka lahin'i Boky dia Ozy. Ny zanaka lahin'i Ozy dia Zerahia. 52 Ny zanaka lahin'i Zerahia dia Meraiota. Ny zanaka lahin'i Meraiota dia Amaria. Ny zanaka lahin'i Amaria dia Ahitoba. 53 Ny zanaka lahin'i Ahitoba dia Zadoka. Ny zanaka lahin'i Zadoka dia Ahimaza. 54 Ireto avy ireo toerana izay voatondro honenan'ireo taranak'i Arona, izay natao ho an'ireo taranak'i Arona izay avy amin'ny fokon'ny Kehatita (ny filokana voalohany dia azy ireo). 55 Nomen'izy ireo azy ireo Hebrona any amin'ny tanin'i Joda sy ireo tany fihinanam-bilony, 56 fa ireo sahan'ny tanàna sy ireo vohiny kosa dia nomen'izy ireo an'i Kaleba zanaka lahin'i Jefone. 57 Ho an'ireo taranak'i Arona dia nomen'izy ireo: Hebrona (tanànan'ny fialofana), sy Libna miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Jatira, Estemoa miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, 58 Hilena miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, ary Debira miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony. 59 Nomen'izy ireo ho an'ireo taranak'i Arona: Asana miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony sy Beti-semesy miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony; 60 ary avy amin'ny fokon'ny Benjamina no nanomezana azy ireo an'i Geba miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Alemeta miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, ary Anotata miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony. Ireo tanànan'izy ireo rehetra dia miisa telo ambin'ny folo. 61 Ho an'ireo taranak'i Kehata ambiny dia nomen'izy ireo azy ireo tamin'ny filokana ireo tanàna folo avy amin'ny antsasaky ny fokon'ny Manase. 62 Ho an'ireo taranak'i Gersona amin'ireo fokony isan-karazany dia nomena ho azy ny tanàna telo ambin'ny folo avy amin'ireo fokon'ny Isakara, Asera, Naftaly, ary ny antsasaky ny fokon'ny Manase tany Basana. 63 Ho an'ireo taranak'i Merary dia nomen'izy ireo tanàna roa ambin'ny folo, araka ireo fokony, avy amin'ny fokon'i Robena, Gada, ary Zebolona. 64 Ary dia nomen'ireo olon'Israely ho an'ireo Levita ireo tanàna ireo miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony. 65 Notendren'izy ireo tamin'ny filokana ireo renivohitra voalaza teo aloha avy amin'ny fokon'i Joda, Simeona, ary Benjamina. 66 Ho an'ireo fokon'ny Kehatita sasany dia nomen'izy ireo tanàna avy amin'ny fokon'i Efraima. 67 Nomen'izy ireo azy ireo: Sekema (tanànan'ny fialofana) miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony tany amin'ny tany havoan'i Efraima, Gazera miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, 68 Jokmeama miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Beti-horona miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, 69 Aialona miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony ary Gata-rimona miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony. 70 Nomen'ireo antsasaky ny fokon'i Manase an'ireo Kehatita: Amera miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony sy Bileama miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony. Lasa fananan'ireo fokon'ny Kehatita sisa ireo. 71 Ho an'ireo taranak'i Gersona tsy ao anatin'ny antsasaky ny fokon'i Manase, nomen'izy ireo: Golana any Basana miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony sy Astarta miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony. 72 Nomen'ny fokon'Isakara an'ireo taranak'i Gersona: Kadesy miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Daberata miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, 73 Ramota miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, ary Anema miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony. 74 Noraisin'Isakara avy amin'ny fokon'i Asera: Masala miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Abdona miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, 75 Hokoka miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, ary Rehoba miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony. 76 Noraisin'izy ireo avy amin'ny fokon'i Naftaly: Kadesy any Galilia miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Hamona miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, ary Kiriataima miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony. 77 Ho an'ny sisa amin'ireo Levita, ireo taranak'i Merary, dia nomen'ny fokon'ny Zebolona: Rimono miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony sy Tabara miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony. 78-79 Dia nomena ho azy ireo ihany koa, ny teo am-pitan'i Jordana any Jeriko, teo atsinanan'ny ony: Bazera tany an'efitra miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Jaza miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Kedemota miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Mefata miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony. Ireo no nomena avy amin'ny fokon'i Robena. 80 Noraisin'ireo Levita avy tamin'ny fokon'i Gada: Ramota any Gileada miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, Mahanaima miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, 81 Hesbona miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony, ary Jazera miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ny hery ananan'i Nebokadnezara amin'ny tafiny dia faritana toy ny faritra amin'ny vatany ("tanana") ampiasaina hitarihana ny tafiny. DH: "namela ny tafik'i Nebokadnezara mba handresy ny tafik'i Joda sy Jerosalema ary haka ny olona amin'ny fahababoana."
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
"Zanaka lahy teraka manaraka"
"Nametraka ny fiara teo ny vahoakan'Israely"
Ireo mety ho dikany dia 1) ny hoe "ilay trano lay fiaonana" mamaritra ny anarana hafa ho an' "ilay tabernakely" (UDB) na 2) "ilay fitoerana masin'ny trano lay fiaonana."
DH: "Mankato ireo torolalan'i Davida ireo mpihira"
"Ireo dia mpitendry zava-maneno"
Ity dia anaram-bondrona olona.
Ity dia manambara fa ny lisitra dia mandeha am-pilaminana hatramin'ny vao haingana indrindra ka hatramin'ny zokiny indrindra.
Ireo dia anaran-dehilahy
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ny fahefan'ny olona iray dia aseho amin'ny izay ijoroany. ny ilany an-kavanan'ny olona iray dia ilay toerana izay itsanganan'ny ilay manam-pahefana indrindra.
DH: "Mitsangana eo amin'ny tanana an-kavian'i Hemana"
DH: "izany no asan'ireo mpiara miasa, ireo Levita, hatao"
DH: "Ireo fanatitra ireo dia natao hanavotana ho an'ny otan'ny vahoakan'i Israely"
DH: "Ireo no taranak'i Arona"
DH: "Ireo no toerana izay nonenan'ireo taranak'i Arona, sy ny fokon'i Kohatita (antsapaka no natao mba hamantarana izay honenan'izy ireo)"
DH: "Nandeha nonina tany an-tsahan'i Hebrona sy ireo vohitra manodidina i Kaleba sy ny ankohonany"
Ity dia tanim-bilona izay ihinanan'ny biby.
DH: "miisa 13 ny fitambaran'ireo tanàna"
"Ny fokon'ny taranak'i Gersona dia nahazo tanàna 13"
Jereo ny fomba nandikanao ireo tao amin'ny 6:1
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:1.
DH: "ireo tanàna avy amin'ny"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:33
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:11
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:1
"ny fokon'i Zebolona dia nanome an'i Rimono taranak'i Merary miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony sy Tabara miaraka amin'ireo tany fihinanam-bilony"
"Nahazo ihany koa izy ireo"
1 Ireo zanaka lahin'i Jisakara efatra dia i Tola, Poa, Jasoba ary Simrona. 2 Ireo zanaka lahin'i Tola dia Ozy, Refaia, Jeriela, Jamay, Jibsama ary Samoela. Izy ireo no lohany ao amin'ny fianakavian'ny rain'izy ireo, avy amin'ny taranak'i Tola ary izy ireo dia isan'ireo mpiady mahery tamin'ny andron'izy ireo. 22, 600 no isan'izy ireo tamin'ny andron'i Davida. 3 Ny zanak'i Ozy dia i Jizrahia. Ireo zanany lahy dia Mikaela, Obadia, Joela, ary Jisia, izy dimy ireo dia mpitarika foko avy. 4 Andian-tafika enina arivo sy telo alina hiatrika ady no niaraka tamin'izy ireo, araky ny lisitry ny fianakavian'ny razamben'izy ireo, satria izy ireo dia nanana vady aman-janaka maro be. 5 Ireo rahalahiny, avy amin'ny fokon'i Jisakara, dia nanana lehilahy mpiady fito arivo sy valo alina, araky ny lisitry ny fianakavian'ny razamben'izy ireo. 6 Ireo zanak'i Benjamina telo lahy dia i Bela, Bakera, ary Jediaela. 7 Ireo zanak'i Bela dimy lahy dia i Ezbona, Ozy, Oziela, Jerimota, ary Iry. Izy ireo dia miaramila sy fiandohan'ireo foko. Niisa 22, 034 ireo lehilahy mpiady, araky ny lisitry ny fianakavian'ny razamben'izy ireo. 8 Ireo zanaka lahin'i Bakera dia i Zemira, Joasy, Eliezera, Elioenay, Omry, Jerimota, Abia, Anatota, ary Alameta. Ireo rehetra ireo dia zanany lahy. 9 Ny lisitry ny fokon'izy ireo dia miisa 20, 200 fianakaviana mpitarika sy lehilahy mpiady. 10 Ny zanaka lahin'i Jediaela dia i Bilana. Ireo zanaka lahin'i Bilana dia i Jeosy, Benjamina, Ehoda, Kenana, Zetana, Tarsisy ary Ahisahara. 11 Ireo rehetra ireo no zanaka lahin'i Jediaela. Ireo voasoratra ao amin'ny lisitry ny fokon'izy ireo dia nisy mpitarika sy lehilahy mpiady 17, 200 lany ho amin'ny raharaha miaramila. 12 (Ny zanaka lahin'Iry dia i Sopima sy Hopima, ary Hosima dia zanaka lahin'i Ahera.) 13 Ny zanaka lahin'i Naftaly dia Jaziela, Gony, Jezera, ary Saloma. Ireo no zafikelin'i Bila. 14 Nanana zanaka lahy nantsoina hoe Asriela i Manase, izay naterak'ilay Syriana vaditsindranony. Izy koa dia niteraka an'i Matira, rain'i Gileada. 15 Naka vady avy tamin'i Hopima sy Sopima i Makira. Imaka ny anaran'ny rahavaviny. Taranak'i Manase hafa koa i Zelofada, izay nanan-janaka vavy tokana. 16 Imaka vadin'i Makira, dia niteraka zaza lahy ary nantsoiny hoe Paresy. Ny anaran'ny rahalahiny dia Saresy, ary ireo zanany lahy dia i Olama sy Rakema. 17 Ny zanaka lahin'i Olama dia Bedana. Ireo no taranak'i Gileada zanaka lahin'i Makira zanaka lahin'i Manase. 18 Hamoleketa anabavin'i Gileada dia niteraka an'Isehoda, Abiezera, ary Mahala. 19 Ireo zanaka lahin'i Semida dia Ahiana, Sekema, Liky ary Aniama. 20 Ireo taranak'i Efraima dia ireto manaraka ireto: Ny zanaka lahin'i Efraima dia i Sotela. Ny zanaka lahin'i Sotela dia Bareda. Ny zanaka lahin'i Bareda dia i Tahata. 21 Ny zanaka lahin'i Tahata dia Elada. Ny zanaka lahin'i Elada dia Tahata. Ny zanaka lahin'i Tahata dia Zabada. Ny zanaka lahin'i Zabada dia Sotela. (Ezera sy Elada dia novonoin'ireo lehilahin'i Gata, tompon-tany, rehefa nandeha nangalatra ny biby fiompiny izy ireo. 22 Nisaona ho azy ireo nandritry ny andro maro i Efraima rain'izy ireo, ary tonga nampahery azy ireo rahalahiny. 23 Nandry niaraka tamin'ny vadiny izy. Nitoe-jaza izy ary niteraka zaza lahy. Nantsoin'i Efraima hoe Beria izy, satria nisy fahoriana tonga teo amin'ny fianakaviany. 24 Ny zanany vavy dia i Sera, izay nanorina an'i Beti-horona ambany sy ambony ary Ozena-sera.) 25 Ny zanany lahy dia i Refa. Ny zanaka lahin'i Refa dia i Rasefa. Ny zanaka lahin'i Rasefa dia i Tela. Ny zanak'i Tela dia i Tahana. 26 Ny zanaka lahin'i Tahana dia i Ladana. Ny zanaka lahin'i Ladana dia i Amihoda. Ny zanaka lahin'i Ahimoda dia i Elisama. 27 Ny zanaka lahin'i Elisama dia i Nona. Ny zanaka lahin'i Nona dia i Josoa. 28 Ireo fananana sy fonenan'izy ireo dia Betela sy ireo zana-bohiny manodidina azy. Izy ireo dia nihitatra hatrany atsinanan'i Narana sy tany andrefan'i Gazera sy ireo zana-bohiny, ary tany Sekema sy ireo zana-bohiny hatrany Gaza sy ireo zana-bohiny. 29 Teny amin'ny sisin-tanin'i Manase no nisy an'i Beti-sana sy ireo zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, ary Dora sy ireo zana-bohiny. Teny amin'ireo tanàn-dehibe ireo no nipetraka ireo taranak'i Josefa zanaka lahin'Israely. 30 Ny zanaka lahin'i Asera dia Jimna, Jisva, Jisvy, ary Beria. Sera no anabavin'izy ireo. 31 Ny zanaka lahin'i Beria dia i Hebera sy Malkiela, izay rain'i Birzavita. 32 Ireo zanaka lahin'i Hebera dia i Jafleta, Somera, ary Hotama. Soha no anabavin'izy ireo. 33 Ireo zanaka lahin'i Jafleta dia i Pasaka, Bimala, ary Asvata. Ireo no zanak'i Jafleta. 34 Somera, rahalahin'i Jafleta, dia nanana ireto zanaka lahy ireto: Rohaga, Hoba ary Arama. 35 Helema, rahalahin'i Semera, dia nanana ireto zanaka lahy ireto: Zofa, Jimna, Selesy, ary Amala. 36 Ireo zanaka lahin'i Zofa dia i Soha, Harnefera, Soala, Bery, Jimra, 37 Bazera, Hoda, Sama, Silsa, Jitrana, ary Bera. 38 Ireo zanaka lahin'i Jatera dia Jefone, Pispa, ary Ara. 39 Ireo zanaka lahin'i Ola dia Ara, Haniela, ary Rizia. 40 Ireo rehetra ireo no taranak'i Asera. Izy ireo no razamben'ny fokon'izy ireo, mpitarika ny fianakavian'izy ireo, lehilahy manan-danja, lehilahy mpiady, ary lehibe teo amin'ireo mpitarika. Enina arivo sy roa alina ny isan'ireo lehilahy izay lany hanao miaramila, araky ny isa anaty listr'izy ireo.
"Nisy lehilahy enin-jato sy roa arivo sy roa alina teo"
DH: "nandritry ny fiainan'i Davida"
DH: "Teo amin'izy ireo dia"
enina arivo sy telo alina hiatrika ady- "miaramila 36.000 no vonona ho amin'ny ady"
"razambe"
"Ireo dia anaran-dehilahy"
"ny lisitry ny foko dia nahitana roanjato sy fito arivo sy iray alina"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
DH: "Ireo zanaka lahin'ny zanak'i Bila"
Ity dia manambara olona iray avy any Syria
DH: "Ireo lehilahin'i Gata, tompon-tany, namono an'i Ezera sy Elada"
DH: "Nandeha nangalatra ny biby fiompin'ireo vahoakan'i Gata ireo mpirahalahy"
"nitondra vohoka izy ary niteraka zaza lahy iray"
"nanendry azy"
Ireo dia anaran'olona.
Ireo dia anaran-tanàna.
DH: "Tranony"
DH: "ireo tarank'i Josefa, zanak'Israely dia nonina tao amin'ireo tanàn-dehibe ireo"
enina arivo sy roa alina ny isan'ireo lehilahy izay lany hanao miaramila, araka ny isa anaty listr'izy ireo - DH: "Araka ny firaiketana an-tsoratry ny foko, dia nisy lehilahy 26.000 afaka hiofana miaramila"
1 Ireo zanaka dimy lahin'i Benjamina dia Bela lahimatoany, Asbela, Ahara, 2 Noha, ary Rafa. 3 Ireo zanaka lahin'i Bela dia Adara, Gera, Abihoda, 4 Abisoa, Namana, Ahoa, 5 Gera, Sefofana, ary Horama 6 Ireto ny taranak'i Ehoda izay lohan'ny fianakavian'ny mponin'i Geba, izay voatery nifindra tany Manahata: 7 Namana, Ahia, ary Gera, izay nitarika azy ireo tamin'ny fifindran'izy ireo. Izy no rain'i Oza sy Ahihoda. 8 Saharaima dia niteraka tany an-tanin'i Moaba, taorian'ny nisarahany am-panambadiana tamin'i Hosima sy Bara vadiny. 9 Tamin'i Hodesy vadiny, no niterahan'i Saharaima an'i Jobaba, Ziba, Mesa, Malkama, 10 Jeoza, Sakia, ary Mirma. Ireo ny zanany lahy, mpitarika tao amin'ny fianakaviany. 11 Efa niteraka an'i Abitoba sy Elpala tamin'i Hosima ihany koa izy. 12 Ny zanaka lahin'i Elpala dia Ebera, Misama, sy Samera (izay nanorina an'i Ono sy Loda ary ny zana-bohiny manodidina). 13 Teo ihany koa i Beria sy Sema. Lohan'ireo fianakaviana nipetraka tany Aialona, izay nandroaka ny mponin'i Gata izy ireo. 14 Ireto avy ny zanaka lahin'i Beria: Ahio, Sasaka, Jeremota, 15 Zebadia, Arada, Adera, 16 Mikaela, Jispa, ary Joha. 17 Ireto avy ny zanaka lahin'i Elplala: Zebadia, Mesolama, Hizky, Hebera, 18 Jismeray, Jizlia, ary Jobaba. 19 Ireto avy ny zanaka lahin'i Simey: Jakima, Zikry, Zabdy, 20 Elienay, Ziletahy, Eliala, 21 Adaia, Beraia, ary Simrata. 22 Ireto avy ny zanaka lahin'i Sasaka: Jispana, Hebera, Eliala, 23 Abdona, Zikry, Hanana, 24 Hanania, Elama, Antotia, 25 Jifdia, ary Penoela. 26 Ireto ny zanaka lahin'i Jerohama: Samseray, Seharia, Atalia, 27 Jaresia, Elia, ary Zitry. 28 Ireo no lohan'ny fianakaviana sy mpitarika izay nipetraka tao Jerosalema. 29 Ny razamben'i Gibeona, dia i Jehiela, izay antsoina hoe Imaka ny vadiny, dia nipetraka tao Gibeona. 30 Ny lahimatoany dia i Abdona, narahan'i Zora, Kisy, Bala, Nadaba, 31 Gedora, Ahio, ary Zakera. 32 Zanaka lahin'i Jehiela hafa i Miklota, izay niteraka an'i Simea. Nipetraka teny akaikin'ny havany teny Jerosalema ihany koa izy ireo. 33 Nera dia rain'i Kisy. Kisy dia rain'i Saoly. Saoly dia rain'i Jonatana, Malkisoa, Abinadaba, ary Esbala. 34 Meribala dia zanaka lahin'i Jonatana. Meribala dia rain'i Mika. 35 Ny zanaka lahin'i Mika dia i Pitona, Maleka, Tarea, ary Ahaza. 36 Ahaza dia rain'i Joada. Joada dia rain'i Alemeta, Azmaveta, ary Zimry. Zimry dia rain'i Moza. 37 Moza dia rain'i Binea. Binea dia rain'i Rafa. Rafa dia rain'i Elasa. Elasa dia rain'i Azela. 38 Nanan-janaka enina mirahalahy i Azela: Azrikama, Bokero, Isimaela, Searia, Obadia, ary Hanana. 39 Zanak'i Azela avokoa izy ireo. Ny zanaka lahin'i Eseka, rahalahiny, dia i Olama lahimatoany, Jeosy lahiaivo, ary Elifeleta fahatelo. 40 Lehilahy mpiady sy mpanipy tsipikà ireo zanaka lahin'i Olama. Nanana zanaka sy zafy maro izy ireo, 150 ny fitambarany. Ireo rehetra ireo dia anisan'ny taranak'i Benjamina.
"Nila nifindra" na "tsy maintsy nifindra"
Ireo dia anaran-dehilahy
DH: "Saharaima sy Hodesy vadiny dia nanana ireo zanaka lahy manaraka ireto:"
Ireo dia anaran-dehilahy
Ireo dia anaran-toerana
Ny teny hoe "lohan'ny fianakaviana" sy "mpitarika" dia manana dika mitovy
Eto ny hoe "razambe" dia maneho ny toeran'i Jehiela ho olona mpitarika ao amin'ny tanànan'i Gibeona. DH: "Jehiela, ilay mpitarik'i Gibeona, dia nipetraka tao Gibeona. Imaka no anaran'ny vadiny."
"Ny lahimatoan'i Jehiela"
DH: "Jeosy ilay zanaka faharoa, ary Elifeleta ilay zanaka fahatelo"
DH: "Nanana zanaka lahy sy zafikely dimampolo amby zato izy ireo"
1 Ka dia voasoratra tao amin'ireo tetiarana ny Israely rehetra. Ary voasoratra tao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'Israely izy ireo. Raha ny amin'i Joda, dia nalefa sesitany tany Babylona izy ireo nohon'ny fahotany. 2 Ny nonina voalohany tany amin'ny tanànan'izy ireo dia ny sasany tamin' ireo Israelita, ireo mpisorona, ireo levita, ary ireo mpanompon'ny tempoly. 3 Ny sasany tamin'ireo taranak'i Joda, Benjamina, Efraima, ary Manase dia nitoetra tany Jerosalema. 4 Ireo mpanorim-ponenana dia nahitana an'i Otahy zanaka lahin'i Amihoda zanaka lahin'i Omry zanaka lahin'Imry zanaka lahin'i Bany, iray amin'ireo taranak'i Fareza zanaka lahin'i Joda. 5 Teo amin'ireo Silonita dia i Asay ilay lahimatoa sy ireo zanany lahy. 6 Teo amin'ireo taranak'i Zera dia i Jeoela. Ny taranak'izy ireo dia niisa 690. 7 Teo amin'ireo taranak'i Benjamina dia i Salo zanaka lahin'i Mesolama zanaka lahin'i Hodavia zanaka lahin'i Hasenoa. 8 Teo ihany koa Jibnia zanaka lahin'i Jerohama; Elaha zanaka lahin'i Ozy zanaka lahin'i Mikry, ary Mesolama zanaka lahin'i Sefatia zanaka lahin'i Regoela zanaka lahin'i Jibnia. 9 Ireo havan'izy ireo izay voasoratra tao amin'ny lisitry ny tetiharana dia niisa 956. Ireo lehilahy rehetra ireo no mpitarika tamin'ny fokon'ny razambean'izy ireo. 10 Ireo mpisorona dia i Jedaia, Joiariba, ary Jatina. 11 Teo ihany koa i Azaria zanaka lahin'i Hilkia zanaka lahin'i Mesolama zanaka lahin'i Zadoka zanaka lahin'i Meraiota zanaka lahin'i Ahitoba, ilay iray izay misahana ny tranon'Andriamanitra. 12 Teo i Adaia zanaka lahin'i Jerohama zanaka lahin'i Pasora zanaka lahin'i Malkia. Teo ihany koa i Masay zanaka lahin'i Adiela zanaka lahin'i Jazera zanaka lahin'i Mesolama zanaka lahin'i Mesilemita zanaka lahin' Imera. 13 Ireo havan'izy ireo, izay mpitarika tao amin'ny fokon-drazamben'izy ireo dia niisa 1, 760. Tena lehilahy nahay tamin'ny asan'ny tranon'Adriamanitra izy ireo. 14 Teo amin'ireo Levita, dia nisy an'i Semaia zanaka lahin'i Asoba zanaka lahin'i Azrikama zanaka lahin'i Asabia, teo amin'ireo taranak'i Merary. 15 Dia teo ihany koa i Bakbakara, Haresy, Galala, ary Matania zanaka lahin'i Mika zanaka lahin'i Zikry zanaka lahin'i Asafa. 16 Teo ihany koa Obadia zanaka lahin'i Semaia zanaka lahin'i Galala zanaka lahin'i Jedotona; ary Berekia zanaka lahin'i Asa zanaka lahin'i Elkana, izay nitoetra tany amin'ny vohitr'ireo Netotatita. 17 Ireo mpiandry varavarana dia Saloma, Akoba, Talmona, Ahimana, ary ireo taranak'izy ireo. Saloma no mpitarika azy ireo. 18 Tany aloha dia nijoro niambina ny vavahadin'ny mpanjaka tany amin'ny sisiny atsinanana ho an'ny tobin'ireo taranak'i Levy izy ireo. 19 Saloma zanaka lahin'i Kore zanaka lahin'i Abiasafa, izay zanaka lahin'i Kora, sy ireo havany avy amin'ny ankohonan-drainy, ireo Koraita, no nisahana ny amin'ny asa fanompoana, niambina ny varavaran'ny trano lay izy ireo, araka ny efa niambenan'ireo razamben'izy ireo ny tobin'i Yaveh, ary efa niambina ny fidirana ihany koa izy ireo. 20 Finehasa zanaka lahin'i Eleazara dia efa nisahana azy ireo taloha, ary nomba azy Yaveh. 21 Zakaria zanaka lahin'i Meselimia dia mpiambina ny fidirana amin'ny tempoly, ilay "trano lay fihaonana." 22 Niisa 212 ireo rehetra izay voafidy ho mpiambina ny vavahady eo amin'ny fidirana. Ny anaran'izy ireo dia voatahiry tao amin'ny tahirin'anaran'ireo vahoaka tao an-tanànan'izy ireo. Davida sy Samoela mpahita dia efa nametraka azy ireo tamin'ny fitokisana. 23 Ka izy ireo sy ny zanak'izy ireo no niambina ireo vavahadin'ny tranon'i Yaveh, ilay tabernakely. 24 Ireo mpiambina vavahady dia napetraka tany amin'ireo sisiny efatra rehetra, mankany atsinanana, andrefana, avaratra, ary atsimo. 25 Ireo rahalahan'izy ireo, izay nitoetra tany amin'ny tanànan'izy ireo, dia nifandimby tao, isan-kafitoana. 26 Fa ireo mpitarika efatry ny mpiambina ny vavahady, izay Levita, dia notendrena mba hiambina ireo efitra sy ireo trano fitahirizam-bokatra tao an-tranon' Andriamanitra. 27 Nandany ny alina teo amin'ny toerana manodidina ny tranon'Andriamanitra rehetra izy ireo, satria tompon'andraikitra amin'ny fiambenana izany. Ary hamoha izany isa-maraina izy ireo. 28 Ny sasany tamin'izy ireo dia nisahana ny fitaovan'ny tempoly; nanisa ireo fanaka izy ireo rehefa nampidirina sy navoaka ireo. 29 Maro tamin'izy ireo ihany koa no voatendry hikarakara ireo zavatra masina, ny fitaovana, sy ireo vatsy, anisan'izany ny koba tsara toto, ny divay, ny diloilo, sy didin-kazo mamerovero, ary ireo zava-manitra. 30 Ny sasany tamin'ireo zanaka lahin'ny mpisorona dia nanafangaro ireo zava-manitra. 31 Matatia, iray tamin'ireo Levita, izay lahimatoan'i Saloma Koraita, no nisahana ny fikarakarana ny mofo ho amin'ireo fanatitra. 32 Ny sasany tamin'ny rahalahin'izy ireo, taranaky ny Kehatita, no nisahana ny mofon'ny fanatrehana, mba hikarakara izany isakin'ny Sabata. 33 Ireo mpihira sy ireo mpitarika ny fianakavian'ny Levita dia nitoetra tao amin'ny efitrano masina rehefa tsy miasa izy ireo, satria tsy maintsy nanatanteraka ireo raharaha nomena andro aman'alina. 34 Ireto avy ireo mpitarika ny fianakaviana teo amin'ireo Levita, izay voatanisa tao amin'ny tahirin-tetiaran'izy ireo. Nitoetra tany Jerosalema izy ireo. 35 Ny razamben'ny any Gibeona, Jeiely, izay atao hoe Imaka ny anaram-badiny, dia nitoetra tany Gibeona. 36 Abdona no lahimatoany, avy eo ireo zanany lahy Zora, Kisy, Bala, Nera, Nadaba, 37 Gedora, Ahio, Zakaria, ary Miklota. 38 Miklota no rain'i Simeama. Nitoetra tany akaikin'ireo rahalahiny tany Jerosalema ihany koa izy ireo. 39 Nera no rain'i Kisy. Kisy no rain'i Saoly. Saoly no rain'i Jonatana, Malkisoa, Abinadaba, ary Esbala. 40 Meribala no zanaka lahin'i Jonatana. Ary Meribala no rain'i Mika. 41 Ireo zanaka lahin'i Mika dia Pitona, Maleka, Tarea, ary Ahaza. 42 Ahaza no rain'i Jara. Jara no rain'i Alemeta, Azmaveta, ary Zimry. Zimry no rain'i Moza. 43 Moza no rain'i Binea. Binea no rain'i Refaia. Refaia no rain'i Elasa. Elasa no rain'i Azela. 44 Ireo zanaka lahy enin'i Azela dia Azrikama, Bokero, Isimaela, Searia, Obadia, ary Hanana. Ireo no zanaka lahin'i Azela.
Ny tetiarana iray dia maneho ny firaiketana an-tsarotra ny taranakin'ny ankohonana na razamben'ireo olona.
Ity dia manambara boky iray izay tsy misy intsony.
Ity dia anaran'bondron'olona taranaka avy any Sela. Ity dia tsipelina miovaova ho an'ireo Selanita.
DH: "Ireo lehilahy nahay ireo dia niasa tao amin'ny tranon'Andriamanitra"
Ireo dia anaran-dehilahy.
"iray amin''ireo taranaka"
Ity dia anaram'bondron'olona.
Ireo fehezanteny roa ireo dia manambara ny fidirana aminny trano lay fihaonana, na ilay taberinakely.
"Niandry ny vavahadin'ny mpanjaka ny taranak'i Levy teo amin'ny ilany antsinanan'ny tobin'izy ireo"
Ireo fehezanteny roa ireo dia manambara ny fidiranan'ny trano lay fihaonana, na ilay tabernakely.
DH: "Misahana ireo fiambenana"
DH: "Ny rakitsoratrin'ny vohitr'olona anisan'izany ny anaran'ireo lehilahy ireo"
"ny taranak'izy ireo"
DH: "Ireo lehilahy dia niandry ireo fidirana"
DH: "ny manodidina rehetra"
"Ireo rahalahy mpiambina"
andro mifandimby, raha hoe - DH: "Ho avy hanampy mandritry ny fito andro, mifandimby"
DH: "mimabina ireo efitra"
"Ny sasany amin'ireo mpiambina"
DH: "nanisa ireo fanaka izay navoakany izy ireo mba hampiasaina, ary avy eo dia nanisa ireo fanaka izy ireo rehefa naverin'ny olona ireo"
DH: "mikarakaran'ny"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaram-bondron'olona.
Jereo ny fandikana ny momba ny teny hoe "mofo" ho an'ny famaritana manokana ny hoe "mofon'ny fanatrehana"
DH: "tsy voatery hanao asa hafa izy ireo"
DH: "tsy maintsy manantanteraka ireo raharahan'izy ireo"
Izany dia midika hoe "amin'ny fotoana rehetra" ary afaka hadika amin'ny fampiasana fehezanteny na teny avy amin'ny fiteninareo na fomba izay izay manome ny dikany mitovy.
DH: "Ny lisitrin'ny tantaran'ny fianakaviana anisan'izany ny anaran'ireo mpitarika ny fianakaviana Levita"
Ny fanambarana voalohany an'i Gibeona dia ho an'ilay olona nefa ny fanambarana faharoa an'i Gibeona dia ilay tanàna.
1 Ary ireo Filistina niady tamin'Israely. Nitsoaka teo anatrehan'i Filistina ny lehilahin'Israely rehetra ary niampatra maty teny an-tendrombohitra Gilboa. 2 Nanenjika akaiky an'i Saoly sy ny zanany lahy ireo Filistina. Novonoin'ireo Filistina i Jonatana, Abinadaba, sy Malkisoa, zanany lahy. 3 Navesatra tamin'i Saoly ny ady, ary nahatratra azy ireo mpandefa tsipìka. Tao anaty fanaintainana mafy izy noho ireo mpandefa tsipìka. 4 Dia hoy Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany hoe: "Avoahy ny sabatrao ka trobaro amin'izany aho. Raha tsy izany dia ho avy hanararaotra ahy ireo tsy voafora ireo." Nefa tsy nanaiky ny mpitondra ny fiadiany, satria natahotra mafy izy. Ka dia nalain'i Saoly ny sabany ary lavo teo amin'izany izy. 5 Rehefa hitan'ny mpitondra ny fiadiany fa maty Saoly, dia lavo tamin'ny sabany tahaka izany koa izy ka maty. 6 Dia maty Saoly, sy ireo zanany telo lahy, ka dia niara-maty ireo ankohonany rehetra. 7 Rehefa hitan'ny lehilahin'Israely rehetra teny an-dohasaha fa efa nandositra izy ireo, ary maty Saoly sy ireo zanany lahy, dia nandao ny tanànany izy ireo ary nandositra. Dia tonga ireo Filistina ary nonina teo amin'izy ireo. 8 Ary ny ampitso, rehefa tonga naka ny maty ireo Filistina, dia nahita an'i Saoly sy ireo zanany lahy lavo teo an-tendrombohitra Gilboa. 9 Nendahan'izy ireo izy ary nentiny ny lohany sy ny fiadiany. Naniraka mpitondra hafatra nanerana an'i Filistina mba hitondra ireo vaovao teo amin'ireo sampy sy teo amin'ny vahoaka izy ireo. 10 Napetrak'izy ireo tao an-tempolin'ny andriamitr'izy ireo ny fiadiany, ary nofatoran'izy ireo tao an-tempolin'i Dagona ny lohany. 11 Rehefa nandre ny rehetra izay nataon'ireo Filistina tamin'i Saoly ny vahoakan'i Jabesa-gileada rehetra, 12 dia nandeha ny lehilahy mpiady rehetra ary naka ny fatin'i Saoly sy ny an'ireo zanany lahy, ary nitondra ireo tany amin'i Jabesy. Nalevin'izy ireo tao ambanin'ny hazo terebinta ny taolan'izy ireo ka nifady hanina hafitoana izy ireo. 13 Ary maty Saoly satria tsy nahatoky an'i Yaveh izy. Tsy nankatoa ireo didin'i Yaveh izy, fa naka torohevitra tamin'ny olona izay niresaka tamin'ny maty. 14 Tsy nitady torolalana tamin'i Yaveh izy, ka dia novonoin'i Yaveh ary nafindrany tamin'i Davida zanaka lahin'i Jese ny fanjakana.
DH: "Ny tafik'Israely dia nandositra ny..."
DH: "maty"
DH: "vonoy amin'izany aho"
Ny fanambarana ny hoe "tsy voafora" eto dia faniratsirana, milaza fa ireo olona ireo dia vahiny ary tsy manana fifandraisana amin'Andriamanitra.
DH: "namono ny tenany tamin'izany"
DH: "ary maty ireo zanany lahy telo"
DH: "Raha ny lehilahin'i Israely"
DH: "nonina tao amin'ireo tanànan'i Israely"
ity fehezanteny ity eto dia nampiasana hanamarihana ny hetsika manan-danja ao amin'ny tantara.
DH: "mba haka ny zavatra sarobidy amin'ny razana"
"Maty i Saoly sy ireo zanany lahy"
DH: "Nanala ny zavatra rehetra tamin'ny vatan'i Saoly ireo Filistina"
"Nametraka ny fiadian'i Saoly ireo Filistina"
Ity dia anaran'andriamanitra tsy izy.
DH: "Rehefa nandre ny miaramilan'ny Filistina ireo vahoakan'ny Jabesy
DH: "Ny vatan'izy ireo"
Izany dia hevitra na soso-kevitra momba ny izay tokony ataon'ilay olona.
DH: "nilaza fa niresaka tamin'ireo izay efa maty"
Ity dia fanampiana na torohevitra momba izay tokony ataony.
DH: "nanome fahefana ny vahoakan'i Israely teo amin'ny"
1 Dia tonga tany amin'i Davida tao Hebrona ny Israely rehetra ary niteny hoe: "Indro, nofonao sy taolanao izahay. 2 Vao tsy ela akory, raha nanjaka teo aminay Saoly, dia ianao no nitarika ny tafika Israelita. Yaveh Andriamanitrao niteny taminao hoe: 'Ho mpiandry an'Israely vahoakako ianao, ary ianao no ho tonga mpanapaka eo amin'Israely vahoakako."' 3 Noho izany dia tonga tany amin'ny mpanjakan'Israely tao Hebrona ireo loholon'Israely rehetra, ary Davida nanao fanekena tamin'izy ireo teo anoloan'i Yaveh. Nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'Israely izy ireo. Tamin'izany fomba izany, dia tanteraka ny tenin'i Yaveh izay nambaran'i Samoela. 4 Nandeha tany Jerosalema i Davida sy ny Israely rehetra (izany dia, Jebosa). Ary ireo Jebosita, mponina tao amin'ny tany, no teo. 5 Hoy ireo mponina tao Jebosa tamin'i Davida hoe: "Tsy ho tonga eto ianao." Fa Davida naka ny fiarovana mafin'i Ziona, izay, ny tanànan'i Davida. 6 Hoy Davida hoe: "Na iza na iza manafika ireo Jebosita voalohany dia ho tonga mpifehy." Koa Joaba zanaka lahin'i Zeroia no nanafika voalohany, ary dia natao ho mpifehy izy. 7 Ary nanomboka nonina tao amin'ilay fiarovana mafy i Davida. Ka dia nantsoin'izy ireo hoe tanànan'i Davida izany. 8 Nanamafy ny tanàna manodidina izy nanomboka tany Milo hatrany amin'ny rindrina manodidina. Namafisin'i Joaba ny sisa ambiny tamin'ny tanàna. 9 Tonga lehibe dia lehibe i Davida satria nomba azy Yaveh tompon'ny maro. 10 Ireto avy ireo mpitarika nananan'i Davida, izay nampiseho ny tenan'izy ireo ho natanjaka niaraka taminy teo amin'ny fanjakany, niaraka tamin'ireo Israely rehetra, mba hanao azy ho mpanjaka, nankatoa ny tenin'i Yaveh mahakasika an'Israely. 11 Ity no lisitr'ireo miaramila sangan'i Davida: Jasobeama, ilay zanaka lahin'i Hakmony, no mpifehy ny telo-polo. Namono telon-jato lahy tamin'ny lefony tanaty ady iray izy. 12 Ny nanaraka azy dia i Eleazara zanaka lahin'i Dodo, ilay Ahohita, izay iray tamin'ireo telo lahy mahery. 13 Niaraka tamin'i Davida izy tao Efesa-damina, ary tany ireo Filistina no nitambatra ho amin'ny ady, izay nisy ny saham-bary hordea sy ireo tafika nandositra avy tany Filistina. 14 Nitsangana teo afovoan'ny saha izy ireo. Niaro izany izy ireo ary nandringana ireo Filistina ary Yaveh nanavotra azy ireo tamin'ny fandresena lehibe. 15 Avy eo telo tamin'ireo telo-polo mpitarika no nidina ho any amin'ny vatolampy tany amin'i Davida, tao amin'ny zohin'i Adolama. Ny tafik'ireo Filistina dia nitoby tao amin'ny Lohasahan'i Refaita. 16 Tamin'izany ora izany Davida dia tao amin'ny fiarovana mafiny, zohy iray, raha nitoby tao Betlehema ireo Filistina. 17 Naniry rano Davida ka nanao hoe: "Raha mba misy olona manome rano ahy ho sotroina avy ao amin'ny lava-drano ao Betlehema, ilay lava-drano izay akaikin'ny vavahady!" 18 Koa dia namakivaky teo amin'ny tafik'ireo Filistina ireo lehilahy mahery telo ary nanovo rano avy tao amin'ny lava-dranon'i Betlehema, ilay lava-drano teo amin'ny vavahady. Ary naka ny rano izy ireo ka nitondra izany ho any amin'i Davida, saingy nandà ny hisotro izany izy. Fa kosa, nararany ho an'i Yaveh izany. 19 Ary hoy izy hoe: "Sanatria amiko ny hisotro izany, ry Yaveh. Tokony hisotro ny ràn'ireo lehilahy izay nanao vy very ny ain'izy ireo ve aho?" Satria nanao vy very ny ainy izy ireo, nandà ny hisotro izany izy. Izany no zavatra nataon'ireo lehilahy mahery telo. 20 Abisay rahalahin'i Joaba, no kapiteny teo amin'izy telo. Ary nampiasa ny lefony indray mandeha izy teo amin'ny olona telo-jato ary namono azy ireo. Nalaza niaraka tamin'ireo Telo izy. 21 Tamin'ireo Telo, dia izy no nomem-boninahitra avo roa heny ary lasa kapitenin'izy ireo. Na dia tsy anisan'izy ireo aza izy. 22 Benaia zanaka lahin'i Joiada dia lehilahy natanjaka izay nanao asa lehibe. Izy no namono ireo roa lahy zanak'i Ariela avy any Moaba. 23 Nidina tao amin'ny lavaka ihany koa izy ary namono liona raha nilatsaka ny oram-panala. Namono Egyptiana iray aza izy, lehilahy dimy hakiho ny halavany. Ilay Egyptiana nanana lefona tahaka ny andrin'ny mpanenona, nefa tehina ihany no nentiny nidina teo aminy. Nisambotra ny lefona teny an-tanan'ilay Egyptiana izy ary namono azy tamin'ny lefony ihany. 24 Benaia zanaka lahin'i Joiada no nanao ireo asa lehibe ireo, ary nalaza toy ireo telo lahy mahery izy. 25 Tamin'ny ankapobeny dia izy no be voninahitra mihoatra noho ireo miaramila telo-polo. Nefa tsy nanam-boninahitra firy izy mihoatra ireo miaramila telo lahy tena sangany. Nefa napetrak'i Davida hiandraikitra ny fiambenana azy manokana izy. 26 Ireo lehilahy mahery dia Asahela rahalahin'i Joaba, Elanana zanak'i Dodo avy any Betlehema, 27 Samota ilay Harorita, Haleza ilay Pelonita, 28 Ira zanaka lahin'Ikesy ilay Tekoita, Abiezera ilay Anatotita, 29 Sibekay ilay Hosatita, Ely ilay Ahohita, 30 Maharay ilay Netofatita, Heleda zanaka lahin'i Bana ilay Netofatita, 31 Itahy zanaka lahin'i Ribay avy tao Gibean'ny taranak'i Benjamina, Benaia ilay Piratnita, 32 Horay any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy, Abiela ilay Arbatita, 33 Azmaveta ilay Baharomita, Eliaba ilay Salbonita, 34 ireo zanaka lahin'i Hasema ilay Gizonita, Jonatana zanaka lahin'i Sage ilay Hararita, 35 Ahiama zanaka lahin'i Sakara ilay Hararita, Elifala zanaka lahin'i Ora, 36 Hefera ilay Mekeratita, Ahia ilay Pelonita, 37 Hezro ilay Karmelita, Naray zanaka lahin'i Ezbay, 38 Joela rahalahin'i Natana, Mibara zanaka lahin'i Hagry, 39 Zaleta ilay Amonita, Naharay ilay Berotita (ilay mpitondra ny fiarovan'i Joaba zanaka lahin'i Zeroia), 40 Ira ilay Jitrita, Gareba ilay Jitrita, 41 Oria ilay Hetita, Zabada zanaka lahin'i Ahelay, 42 Adina zanaka lahin'i Siza ilay Robenita (lehiben'ny Robenita) ary telo-polo lahy niaraka taminy, 43 Hanana zanaka lahin'i Maka, sy Josafata ilay Mitnita, 44 Ozia ilay Astartita, Sama sy Jeiela zanaka lahin'i Hotama ilay Aroerita, 45 Jediaela zanaka lahin'i Simry, Joha (ilay Tizita rahalahiny), 46 Eliala ilay Mahavita, Jeribay sy Josavia zanaka lahin'i Elnama, Jitma ilay Moabita, 47 Eliala, Obeda, ary Jasiela ilay Mezobaita.
DH: "havanao izahay" na "mitovy razambe tahaka ao izahay"
"Ny hafatr'i Yaveh"
Izany dia anarana vonjimaika ho an'ny Jerosalema taorian'ny nandresen'ny Jebosita ny tanàna, tao alohan'ny nandresen'ireo Israelita izany.
DH: "Kanefa dia resy ny miaramila'ny Davida
DH: "Ary nantsoin'izy ireo hoe tanànan'i Davida izany"
DH: "koa dia nataon'i davida ho mpifehy i Joaba"
DH: "Nanamafy ny manda nanodidina ny tanàna ireo Israelita"
Izany dia manambara ny fiarovana mafy any Jerosalema, mety naorin'ireo Jebosita.
DH: "nanampy azy"
DH: "Ireo mpitarika amban'i Davida"
DH: "Izay nanampy ny fanjakan'i Davida mba hitoetra tsara"
DH: "ireo lehilahy mahery telo-polo"
DH: "tamin'ny fotoana iray"
"ary namono Filisitina maro."
"tamin'ireo telo polo"
DH: "Tamin'ny toerana nilamina i Davida tao anaty lava-bato rehefa niambina an'i Betlehema ireo miaramila"
"Nametraka miaramila tao Betlehema ireo Filistina"
"ireo lehilahy 3 mahery"
Ireo fehezateny roa ireo dia manambara ny lava-drano mitovy. Ilay faharoa dia mamaritra ny lava-drano any Betlehema.
DH: "Ry Andriamanitra, aza avela hisotro sorona iray amin'ny vidin'ny lehilahiko re aho!"
I Davida dia milaza amin'izany fanotanina izany fa sarobidy ilay rano noho ilay sorona natao tamin'ny alalan'ireo izay nahazo izany. "DH: "Tsy hisotro ny ràn'ireo lehilahy izay vonona ho faty ho ahy aho" na "tsy hisotro ny rano izay nanaovan'ireo lehilahy vy very ny ain'izy ireo aho mba hahazoana.
"ireo mpiady telo mahery"
DH: "Abisay no mpitarikan'ireo mpiady telo mahery ireo"
DH: "Nanana fanajana lehibe ho an'i Absiay ireo miaramila ary nanao azy ho mpitarik'azy ireo, na dia tsy nanisa azy ho iray amin'ireo mpiady mahery telo aza izy ireo.
Ireo dia asa izay mampiseho herim-po, hery, na fahalalana
DH: "mandritry ny oram-panala mivatravatra
DH: "Niaona tamin'i Benaia ireo Egyptiana"
DH: "lefona tena lava"
"Nanalaza toy ireo lehilahy telo mahery izy"
DH: "Nanaja azy bebe kokoa no ireo miaramila telopolo ny vahoaka, fa tsy mihoatra noho ireo miaramila telo tena manam'pahaizana"
Ity dia olona na vondron'olona tompon'Andraikitra amin'ny fiarovana olona manan-danja.
"lehilahy 30 niaraka taminy"
1 Ireto avy ireo lehilahy izay tonga tany amin'i Davida tao Ziklaga, raha mbola voaroaka tamin'ny fanatrehan'i Saoly zanaka lahin'i Kisy izy. Isan'ireo miaramila izy ireo, mpanampy azy an'ady. 2 Nirongo tsipìka izy ireo ary afaka nampiasa ny tanany an-kavanana sy an-kavia tamin'ny antsamon-tady sy tamin'ny fitifirana amin'ny tsìpika. Benjamita izy ireo, mpiray foko tamin'i Saoly. 3 Ahiezera no lehibe, avy eo Joasy, samy zanaka lahin'i Sema ilay Gibeatita izy ireo. Nahitana an'i Jeziela sy Peleta, zanaka lahin'i Azmaveta. Nahitana ihany koa an'i Beraka, Jeho ilay Anatotita, 4 Jismaia ilay Gibeonita, anisan'ireo miaramila telo-plo (ary mpifehy ireo telo-polo); Jeremia, Jahaziela, Johanana, Jozababa ilay Gaderatita, 5 Elozay, Jerimota, Bealia, Semaria, Sefatia ilay Harofita, 6 ireo Koraita Elkana, Jisia, Azarela, Joezera, Jasobeama, ary 7 Joela sy Zebadia, zanaka lahin'i Jehorama avy any Gedora. 8 Nisy Gadita sasany nanatona an'i Davida tao amin'ny fiarovana mafy tany an'efitra. Lehilahy mpiady izy ireo, lehilahy voahofana ho amin'ny ady, izay afaka mivimbina ampinga sy lefona; ny tavan'izy ireo dia masiaka tahaka ny tavan'ny liona. Haingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy ireo. 9 Nisy an'i Ezera ilay mpitarika, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo, 10 Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy, 11 Atahy no fahenina, Eliala no fahafito, 12 Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy, 13 Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin'ny folo. 14 Ireo zanaka lahin'i Gada ireo no mpitari-tafika. Ny ambany indrindra nitarika an-jatony, ary ny ambony indrindra nitarika an'arivony. 15 Niampita an'i Jordana izy ireo tamin'ny volana voalohany, rehefa nandifotra ny morony izany, ka nandroaka ny zava-manan'aina rehetra tamin'ireo lohasaha, na ny mankany atsinana na ny mankany andrefana. 16 Ny sasany tamin'ireo lehilahin' i Benjamina sy Joda dia tonga tao amin'ny fiarovana tao amin'i Davida. 17 Nivoaka mba hitsena azy ireo Davida ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Raha tonga amim-pilaminana aty amiko mba hanampy ahy ianareo, dia afaka manatona ahy. Fa raha avy mba hamadika ahy amin'ny fahavaloko, dia aoka anie ny Andriamanitry ny razambentsika hijery ka hamaly anareo, satria tsy nanao ratsy aho." 18 Avy eo ilay Fanahy tonga tao amin'i Amasay, izay mpitarika ny telo-polo. Hoy Amasay hoe: "Izahay dia anao, ry Davida. Izahay dia miandany aminao, ry zanaka lahin'i Jese. Fiadanana, fiadanana anie ho amin'izay manampy anao. Fiadanana anie ho amin'ireo mpanampinao, satria ny Andriamanitrao dia manampy anao." Dia nandray azy ireo Davida ary nanao azy ireo ho mpifehy ny lehilahiny. 19 Ny sasany avy tamin'i Manase ihany koa dia niala mba hanatona an'i Davida raha niaraka tamin'ireo Filistina mba hiady amin'i Saoly izy. Nefa tsy nanampy ireo Filistina izy ireo, satria nifampidinika ireo tompon'i Filistina ka nampandeha an'i Davida. Hoy izy ireo hoe: "Hiala ho any amin'i Saoly tompony izy ka hampidi-doza ny fiainantsika." 20 Rehefa nankany Ziklaga izy, ny lehilahin'i Manase izay nanatona azy dia i Adna, Jozabada, Jediaela, Mikaela, Jozabada, Eliho, Ziletahy, kapitenin'ny arivon'i Manase. 21 Nanampy an'i Davida niady tamin'ireo an-tokony mpijirika izy ireo, satria lehilahy mpiady izy ireo. Taty aoriana dia lasa mpifehy teo amin'ny tafika izy ireo. 22 Isan'andro, dia tonga tany amin'i Davida ireo lehilahy mba hanampy azy, mandra-pisian'ny tafika lehibe, tahaka ny tafik'Andriamanitra. 23 Ity no tahirin-tantaran'ireo miaramila nitam-piadiana ho amin'ny ady, izay tonga tany amin'i Davida tao Hebrona, mba hanodina ny fanjakan'i Saoly ho azy, izay nanatanteraka ny tenin'i Yaveh. 24 Tamin'i Joda dia 6. 800 ireo mpitàna ampinga sy lefona no voaomana hiady. 25 Nisy lehilahy mpiady 7. 100 avy tamin'ireo Simeonita. 26 Nisy lehlahy mpiady 4. 600 avy tamin'ireo Levita. 27 Joiada no mpitarika ny taranak'i Arona, ary 3. 700 no niaraka taminy. 28 Mpitarika roa amby roa-polo avy amin'ny fianakavian-drainy no niaraka tamin'i Zadoka, tovolahy, mahery, sy lehilahy be herim-po. 29 Avy tamin'i Benjamina, fokon'i Saoly, dia nisy telo arivo. Ny ankamaroan'izy ireo dia mbola nijanona ho mpomba an'i Saoly hatramin'izao fotoana izao. 30 Nisy lehilahy mpiady 20. 800 avy tamin'ireo Efraimita, lehilahy nalaza teo amin'ny fianakavian'ny razamben'izy ireo. 31 Avy tamin'ny antsasa-pokon'i Manase dia nisy lehilahy malaza valo arivo sy iray alina izay tonga mba hanao an'i Davida ho mpanajaka. 32 Avy tamin'Isakara, dia nisy lehilahy mpitarika roanjato izay nanana fahazavan-tsaina tamin'izany fotoana izany ary nahalala izay tsy maintsy ataon'Israely. Ireo havany rehetra dia teo ambany fifehezan'izy ireo. 33 Nisy lehilahy mpiady dimy alina avy tamin'i Zebolona, nomanina ho amin'ny ady, niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana rehetra, ary vonona ny hanome tsy fivadihana azo antoka. 34 Nisy manamboninahitra arivo avy tamin'i Naftaly, ary lehilahy mpitàna ampinga sy lefona fito arivo sy telo alina niaraka tamin'izy ireo. 35 Avy tamin'ireo Danita dia nisy lehilahy 28. 600 voahomana ho amin'ny ady. 36 Nisy lehilahy efatra alina voahomana ho amin'ny ady avy tamin'i Asera. 37 Avy tamin'ny an-dafin'i Jordana, avy tamin'ireo Robenita, Gadita, ary ny antsasa-pokon'i Manase, dia nisy lehilahy 120. 000 izay nirongo ireo karazam-pitaovam-piadiana rehetra ho amin'ny ady. 38 Ireo miaramila rehetra, vonona ho amin'ny ady ireo, dia tonga tany Hebrona niaraka tamin'ny fikasana raikitra ny amin'ny hanaovana an'i Davida ho mpanjaka manerana an'Israely rehetra. Ny sisa rehetra tamin'Israely dia nifanaiky ny hanao an'i Davida ho mpanjaka ihany koa. 39 Niaraka tamin'i Davida tao telo andro izy ireo, nihinana sy nisotro, satria ny havan'izy ireo dia efa nampitondra vatsy ho azy. 40 Fanampin'izany, ireo izay teo akaikin'izy ireo, hatrany Isakara sy Zebolona ary Naftaly, dia nitondra mofo tamin'ny boriky, rameva, ampondra, sy omby, ary mofo aviavy, voaloboka maina, divay, menaka, omby, ary ondry, satria nifaly ny Israely.
DH: "nandritry ny fotoana tsy nahafahany nanatrika tamin'i"
DH: "ireo fitaovam-piadiana anisan'izany ny tsipìka, ary afaka mampiasa ny tsipìka amin'ny tanany an-kavanana sy an-kavia izy ireo"
Ilay Antsamotady dia nesorina tamin'ny hoditra izay mamela ny olona hanipy vato iray alavitra be. Ny vato iray dia apetraka eo afovoany raha mitazona ny morony ilay olona ary manodikodina izany ho faribolana. Rehefa havotsitra ny morony iray, dia manidina makany amin'ny kendrena ilay vato.
DH: "ireo miaramila 30"
DH: "izay tena masiaka"
DH: "tena hainfam-pandeha"
Ireo dia biby kely izay tsara tarehy sy haingam-pandeha, mitovy amin'ny serfa
Ity dia mitanisa ireo lehilahy ireo mba ho mpitarika. "faha 2 ... faha 3 ... faha 4 ... faha 5 ... faha 6 ... Faha 7 ... Faha 8 ... Faha 9 Faha 10 ... faha 11"
Izany dia midika fa ny vondrona kely indrindra amin'ny tafika izay tarihan'ny mpitarika iray dia 100
Izany dia midika fa ny vondrona lehibe indrindra amin'ny tafika izay tarihan'ny mpitarika iray dia 1000.
Izany dia volana voalohan'ny teti-andro Hebreo. izany mandritra ampahany farany ny volana Martsa ary ny ampahany voalohany ny volana Aprily amin'ny teti-andro andrefana. izany dia amin'ny fanombohan'ny lohataona rehefa tonga ny oram-parany.
DH: "ireo lehilahy avy any amin'ny foko'ni Benjamina sy Joda"
DH: "Nanome hery azy ny fanahy"
DH: "Ireo miaramila 30"
Ireo fehezateny roa ireo dia mizara ny dikany mitovy ary mampiseho ny fanoloran-tenan'izy ireo amin'i Davida.
DH: "niala tamin'ny mpitarik'izy ireo ary nanatona"
"hafa mihaotran'ny lehilahy 1000"
DH: "Vondron-dehilahy izay nandroba ny olona manerana ny tanàna"
DH: "isakin'ny andro"
Izany dia mampitaha ny halehiben'ny tafik'i Davida amin'ny tafikin'ireo anjelin'Andriamanitra.
DH: "mba hanome fahefana an'i Davida ny fanjakan'i Saoly"
DH: "nanao ny tenin'i Yaveh ho marina"
"Avy any amin'ny fokon'i Joda"
DH: "Avy amin'ny fokon'i Saoly, fokon'i Benjamina"
DH: "mitondra ireo karazam-pitaovam-piadiana rehetra"
DH: "drafitra"
DH: "miarak amin'ireo fitaovam-piadiana ho amin'ny ady"
"3 andro"
Ireo volaoboka maina, voankazo kely izay maniry eo amin'ny voaloboka
1 Davida dia niresaka tamin'ireo mpifehy ny arivo sy zato, niaraka tamin'ny mpitarika rehetra. 2 Hoy Davida tamin'ny vondron-tafik'Israely rehetra hoe: "Raha tsara aminareo, ary raha avy amin'i Yaveh Andriamanitsika izany, dia aoka isika handefa mpitondra hafatra eny rehetra eny any amin'ireo rahalahintsika izay mitoetra any amin'ireo faritr'Israely rehetra, ary any amin'ireo mpisorona sy ireo Levita izay ao amin'ireo tanànan'izy ireo. Aoka izy ireo ho lazaina mba hiaraka amintsika. 3 Ndeha isika hamerina amintsika ny fiaran'ny Andriamanitsika, satria tsy nitady ny sitrapony isika tamin'ireo andron'ny fanjakan'i Saoly." 4 Ny vondron-tafika rehetra dia nanaiky hanao ireo zavatra ireo, satria toa marina teo imason'ny olona rehetra ireo. 5 Koa nangonin'i Davida hiaraka ny Israely rehetra, hatrany amin'i Onin'i Sihora any Egypta ka hatrany Lebo Hamata, mba hitondra ny fiaran'Andriamanitra avy any Kiriata Jearima. 6 Niakatra nankany Bala i Davida sy ny Israely rehetra, izany hoe, Kiriata Jearima, izay an'i Joda, mba hitondra ny fiaran'Andriamanitra avy any, izay nantsoina tamin'ny anaran'i Yaveh, dia Yaveh, izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana eo amin'ny Kerobima. 7 Noho izany dia napetrak'izy ireo teo ambony sarety vaovao ilay fiaran'Andriamanitra. Navoakan'izy ireo avy tao amin'ny tranon'i Abinada izany. Oza sy Ahio no nitondra ilay sarety. 8 Davida sy ny Israely rehetra dia nankalaza teo anatrehan'Andriamanitra tamin'ny herin'izy ireo rehetra. Nihira niaraka tamin'ny lokanga, ampongatapaka, kipantsona, ary trompetra izy ireo. 9 Rehefa tonga teo amin'ny tany famoloan'i Kidona izy ireo, dia naninjitra ny tanany hihazona an'ilay fiara i Oza, satria nianjera ny omby. 10 Dia nirehitra tamin'i Oza ny hatezeran'i Yaveh, ary novonoin'i Yaveh izy satria naninjitra ny tanany tamin'ilay fiara i Oza. Maty teo anatrehan'Andriamanitra teo izy. 11 Tezitra Davida satria namely an'i Oza i Yaveh. Nantsoina hoe Pereza Oza izany toerana izany mandrak'androany. 12 Natahotra an'Andriamanitra i Davida tamin'izany andro izany. Hoy izy hoe: "Ahoana no fomba hitondrako ny fiaran'Andriamanitra aty amiko?" 13 Ka tsy nanetsika ny fiara ho any amin'ny tanànan'i Davida i Davida, fa nametraka izany teo akaikin'ny tranon'i Obeda Edoma ilay Getita. 14 Dia nijanona tao amin'ny tokantranon'i Obeda Edoma nandritry ny telo volana ilay fiaran'Andriamanitra. Noho izany dia nitahy ny ankohonany sy izay rehetra nananany i Yaveh.
Nana mpifehy ny tafika izay nitarika ny vondrona miaramila amin'ny habeny samihafa. DH: "mihoatran'ny lehilahy 1000 ary mihoatra ny lehilahy 100"
Eto "masony" mampiseho ny eritretritra sy ny hevitri'ny vahoaka. DH: "Ny olona rehetra dia mihevitra fa ireo no zavatra mety indrindra hatao"
Ity dia lehilahy hafa ho an'i Kiriata Jearima.
DH: "izay manapaka teo anelanelan'ny lalàn'ny biby manan'elatra teo amin'ny fiaran'ny fanekena"
Ity dia fiara misy kodiarana sitomina amin'ny alalan'ny biby izay mbola tsy nampiasaina teo aloha.
zava-maneno miaraka amin'ny lohany iray toy ny amponga izay afaka velesina ary amin'ny vy manodidina ny sisiny izay maneno rehefa ahetsiketsika ilay zava-maneno.
zavatra manify roa, vy takelaka boribory izay miaraka velesina mba haneno mafy
DH: "Tezitra mafy amin'i Oza i Yaveh"
DH: "eo amin'ny fanatrehana an'Andriamanitra"
Tezitra tamin'i Yaveh i Davida.
Maneho ny fahatezerany momba ny fahafatesan'i Oza i Davida rehefa niezaka namerina ilay fiara any amin'ny tanànany izy. DH: "Tsy afaka ny hitondra ny fiaran'Andriamanitra hiverina ao amin'ny tanànako aho" na "Lazao ahy ny lalana momba ny fomba amindrana ilay fiara, tsy mahalala ny fanaovana izany aho"
"3 volana"
1 Ary Hirama mpanjakan'i Tyro nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Davida, sy hazo sedera, mpandrafitra, ary mpanao trano. Nanorina trano ho azy izy ireo. 2 Davida dia nahafantatra fa Yaveh no efa nametraka azy ho mpanjaka teo amin'Israely, ary ny fanjakany dia nasandratra ambony nohon'ny amin' Israely olony. 3 Tao Jerosalema, dia naka vady maro Davida, ary niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. 4 Ireto avy ny anaran' ireo zanaka naterany tany Jerosalema: Samoa, Sobaba, Natana, Solomona, 5 Jibara, Elisoa, Elipeleta, 6 Noga, Nafega, Jafia, 7 Elisama, Beliada ary Elifeleta. 8 Ary rehefa ren'ireo Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan'Israely rehetra Davida, dia nivoaka nitady azy izy rehetra. Nefa ren'i Davida izany ka nivoaka hanohitra azy ireo izy. 9 Ary tonga ireo Filistina ka nanao fanafihana teny amin'ny Lohasahan'ny Refaïta. 10 Avy eo Davida nangataka fanampiana tamin'Andriamanitra. Hoy izy hoe: "Tokony hiakatra hanafika ireo Filistina ve aho? Hanome fandresena eo amin'izy ireo ve ianao?" Dia hoy Yaveh taminy hoe: "Tafiho, fa tena hanome azy ireo ho anao Aho." 11 Dia niakatra nankao Bala-perazima izy ireo, ary tao no nandreseny azy ireo. Naneho hevitra izy hoe: "Ny tanako no namakian'i Yaveh ny fahavaloko hiparitaka toy ny tondra-drano." Ka lasa Bala-perazima no anaran'izany toerana izany. 12 Navelan'ireo Filistina teo ireo andriamaniny, ary nanome didy Davida fa tokony dorana ireo. 13 Ary nanafika ny lohasaha indray ny Filistina. 14 Dia nangataka fanampiana tany amin'Andriamanitra indray Davida. Hoy Andriamanitra taminy hoe: "Tsy tokony hanafika azy ireo eo anoloana ianao, fa kosa hiodidina ao aorian'izy ireo ary ho tonga eo amin'izy ireo avy eo amin'ireo hazo balsama. 15 Rehefa renao ny feon'ny dia-be amin'ny fitsokan'ny rivotra avy eo amin'ireo tendron'ny hazo balsama, dia manafiha amin-kery. Manaova izany satria Andriamanitra efa hialoa lalana anao hanafika ny tafik'ireo Filistina." 16 Ka nataon'i Davida izay nandidian'Andriamanitra azy. Nandresy ny tafik'ireo Filistina tany Gibeona hatrany Gazera izy. 17 Ary ny lazan'i Davida dia niely teo amin'ny tany rehetra, ary nahatonga ny firenena rehetra hatahotra azy Yaveh.
Izany dia anaram-panjaka.
Ireo dia olona izay manao zavatra vita amin'ny hazo ny asany.
Ireo dia olona izay manao zavatra amin'ny vato sy biriky ny asany.
DH: "nanao azy"
DH: "Nanome voninahitra ny fanjakan'i Davida i Yaveh mba hanampy ny vahoakan'i Israely"
DH: "nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'izy ireo ny vahoakan'i Israely
Izany dia anarana toerana.
DH: "manome fandresena azy ireo"
Ity dia anaran-toerana.
Izany dia midika ny loharanon'i Davida. D.H: "mampiasa ny tafiko"
Ny hery sy ny fandresen'ny tafik'i Davida dia noharina tamin'ny tondra-drano. D.H: "moramora"
D.H: "mba handoro ireo andriamani-tsy izin'izy ireo"
"ny lohasan'i Refaima"
D.H: "hanafika avy eo anoloana"
D.H: "mandeha mamaky ny alan'ny hazo balsama ary manafika azy ireo avy any aoriana."
Karazan-kazo izany.
Manohy ny valinteniny ho an'ny fanontanian'i Davida Andriamanitra.
D.H: "mandeha mialoha anao mba hiady ho anao"
Anarana vohitra izany.
D.H: "ireo olona lavitra indrindra dia naheno ny momban'ny fandresen'i Davida teo amin'ny Filistina"
1 Ary Davida nanamboatra trano ho azy tao an-tanànan'i Davida. Nanomana toerana ho an'ny fiaran'Andriamanitra ary nanangana lay ho an'izany izy. 2 Dia hoy Davida hoe: "Ireo Levita ihany no afaka mitondra ny fiaran'Andriamanitra, fa izy ireo no voafidin'i Yaveh mba hitondra ny fiaran'i Yaveh, sy hanompo Azy mandrakizay." 3 Dia novorian'i Davida tao Jerosalema ny Israely rehetra, mba hampiakatra ny fiaran'i Yaveh any amin'ny toerana efa nomaniny ho an'izany. 4 Novorian'i Davida niaraka ireo taranak'i Arona sy ireo Levita. 5 Tamin'ireo taranak'i Kehata, dia nisy an'i Oriela mpitarika sy ireo havany, lehilahy 120. 6 Tamin'ireo taranak'i Merary, dia nisy an'i Asaia mpitarika sy ireo havany, lehilahy 220. 7 Tamin'ireo taranak'i Gersona, dia nisy an'i Joela mpitarika sy ireo havany, lehilahy 130. 8 Tamin'ireo taranak'i Elizafana, dia nisy an'i Semaia mpitarika sy ireo havany, lehilahy 200. 9 Tamin'ireo taranak'i Hebrona, dia nisy an'i Eliala mpitarika sy ireo havany, lehilahy valopolo. 10 Tamin'ireo taranak'i Oziela, dia nisy an'i Aminadaba mpitarika sy ireo havany, lehilahy 112. 11 Niantso an'i Zadoka sy Abiatara mpisorona, ary ireo Levita Oriela, Asaia, Joela, Semaia, Eliala, ary Aminadaba i Davida. 12 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Ianareo no lohan'ireo fianakavian'ny Levita. Hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ireo rahalahinareo, mba hafahanareo mampiakatra ny fiaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, ho any amin'ny toerana izay efa nomaniko ho an'izany. 13 Tsy nitondra izany ianareo tamin'ny voalohany. Izany no antony namaizan'i Yaveh Andriamanitsika antsika, satria tsy nitady Azy na nankatoa ny lalàny isika." 14 Noho izany dia nanamasin-tena ireo mpisorona sy ireo Levita mba hafahan'izy ireo mampiakatra ny fiaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr' Israely. 15 Dia nolanjain'ireo Levita teo an-tsorok'izy ireo tamin'ny bao ilay fiaran'Andriamanitra, araka izay efa nandidian'i Mosesy—manaraka ireo fitsipika nomena avy tamin'ny tenin'i Yaveh. 16 Niresaka tamin'ireo mpitarika ny Levita i Davida mba hanendry ny rahalahin'izy ireo ho mpihira amin'ireo zava-maneno, valiha, lokanga sy kipantsona, hanandratra mafy sy am-pifaliana ny feon'izy ireo. 17 Dia notendren'ireo Levita i Hemana zanaka lahin'i Joela sy ny iray tamin'ireo rahalahiny, dia i Asafa zanaka lahin'i Berekia. Nanendry havana avy amin'ireo taranak'i Merary sy Etana zanaka lahin'i Kosaia ihany koa izy ireo. 18 Niaraka tamin'izy ireo koa ny havana akaiky manarakaraka azy ireo: Zakaria, [1] Jaziela, Semiramota, Jehiela, Ony, Eliaba, Benaia, Mahaseia, Matitia, Elifeleho, Mikneia, Obed-edoma, ary Jeiela, ireo mpiandry vavahady. 19 Hemana, Asafa, ary Etana mpihira dia notendrena mba hitendry mafy kipantsona varahina. 20 Zakaria, Aziela, Semiramota, Jehiela, Ony, Eliaba, Mahaseia, ary Benaia no nitendry ireo valiha, tamin'ny Alamota. 21 Matitia, Elifeleho, Mikneia, Obed-edoma, Jeiela, ary Azazia no nitari-dalana tamin'ny harpa tamin'ny Seminita. 22 Kenania, mpitarika ireo Levita, izy no tonian'ny fihiràna satria mpampianatra hira izy. 23 Berekia sy Elkana no mpiambina ny fiara. 24 Sebania, Josafata, Netanela, Amasay, Zakaria, Benaia, ary Eliezera, ireo mpisorona, no nitsoka ireo trompetra teo alohan'ny fiaran'Andriamanitra. Obed-edoma sy Jehia no mpiambina ny fiara. 25 Ary Davida, ireo loholon'Israely, sy ireo mpifehy ny an'arivony dia nandeha nampiakatra ilay fiaran'ny faneken'i Yaveh avy tao an-tranon'i Obed-edoma tamim-pifaliana. 26 Ary Andriamanitra raha nanampy ireo Levita izay nilanja ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, dia nanao sorona omby fito sy ondrilahy fito izy ireo. 27 Nanao akanjo vita tamin'ny rongony fotsy madinika i Davida, tahaka ireo Levita izay nilanja ny fiara, ireo mpihira, ary Kenaia, ilay mpitarika ny hira mbamin'ireo mpihira. Niakanjo efoda rongony fotsy i Davida. 28 Ka dia nampiakatra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh tamin'ny hiakam-pifaliana, sy tamin'ny feon-tandroka, tamin'ny kipantsona, ary tamin'ny valiha sy harpa ny Israely rehetra. 29 Nefa raha tonga tao an-tanànan'i Davida ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, dia nitazana teo am-baravarankely i Mikala zanaka vavin'i Saoly. Nahita an'i Davida mpanjaka nandihy sy nankalaza izy. Avy eo nanao tsinontsinona azy tao am-pony izy.
D.H: "Namboatra trano ho an'i Davida ny vahoaka"
D.H: "nandidy ny mba hisian'ny toerana miavaka"
D.H: "nandidy fa ny vahoakan'i Israely rehetra dia mila tonga miaraka"
D.H: "mba hankalaza toy ny Levita mitondra ny fiara"
olona izay miaraka amin'ny fianakaviana na foko mitovy
D.H: "Efa nandidy ny Levita mba hanomana Aho"
"Tsy nitondra ny fiara mialoha ianareo"
D.H: "tsy nanontany fampianarana taminy isika"
D.H: "nanafay antsika"
D.H: "Ireo Levita dia nampahadio ny tenanan'izy ireo mba hitondra"
Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 13:7
D.H: "mihira"
D.H: "toeran'ny hery ambanimbany kokoa" na "laharana faharoa"
olona izay miandry ireo varavarana
Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 13:7
Ny hevitr'ireo teny ireo dia tsy mazava fa afaka adika ho endrika mozika.
"nitarika ireo mpitendry hafa" na "nitarika ny filaharana"
D.H: "mihoatra ny 1 000l lahy"
Anarana lehilahy iray izany.
D.H: "Davida, ireo Levita, ary ireo mpihira rehetra dia nitafy akanjo rongony fotsy"
Karazana akanjo malama, mahery izany.
Anarana lehilahy iray izany.
D.H: "Ka ny vahoakaben'ireo Israelita dia nitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh avy ao amin'ny tranon'i Obed-Odema ho any Jerosalema"
Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 13:7
D.H: "nitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh ny vahoaka ho ao an-tanànan'i Davida"
Izany no anaran'y vadin'i Davida.
D.H: "tsy nanaja azy lalina tamin'ny fisainany"
1 Dia nentin'izy ireo niditra ilay fiaran'Andriamanitra ary napetrak'izy ireo teo afovoan'ny lay izay nataon'i Davida ho an'izany. Avy eo nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihombonana teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo. 2 Rehefa vitan'i Davida ny soron'ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihombonana, dia nitahy ny vahoaka tamin'ny anaran'i Yaveh izy. 3 Nizarazara mofo, sombin-kena, ary mofo mamy misy voaloboka tamin'ireo Israelita rehetra, na lahy na vavy izy. 4 Nanendry Levita sasantsasany mba hanompo eo anoloan'ilay fiaran'i Yaveh i Davida, ary mba hankalaza, hisaotra sy hidera an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. 5 Ireo Levita ireo dia Asafa ilay mpitarika, ary faharoa manaraka azy i Zakaria, Jeiela, Semiramota, Jehiela, Matita, Eliaba, Benaia, Obed-Edoma, ary Jeiela. Ireo no nitendry lokanga sy harpa. Asafa no nampaneno ny kipantsona, izay maneno mafy. 6 Benaia sy Jahaziela mpisorona no mpitsoka tsy tapaka ny trompetra, teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra. 7 Ary tamin'izany andro izany Davida no nanendry voalohany an'i Asafa sy ireo rahalahiny mba hihira io hiran'ny fisaorana an'i Yaveh io. 8 Tolory fisaorana i Yaveh, antsoy ny anarany; ampahafantaro eo amin'ireo firenena ny asany. 9 Mihirà Azy, mihirà fiderana Azy; ambarao ireo asany mahagaga rehetra. 10 Mireharehà amin'ny anarany masina; aoka hifaly ny fon'ireo izay mitady an'i Yaveh. 11 Tadiavo Yaveh sy ny heriny; tadiavo mandrakariva ny fanatrehany. 12 Tsarovy ireo zava-mahagaga nataony, ireo fahagagana sy ireo lalàna avy amin'ny vavany, 13 ry taranak'Israely mpanompony, ianareo vahoakan'i Jakoba, izay nofidiany. 14 Izy no Yaveh, Andriamanitsika. Amin'ny tany rehetra ireo lalàny. 15 Ataovy ao an-tsaina mandrakariva ny fanekeny, dia ny teny izay nandidiany an'ireo taranaka arivo hifandimby. 16 Mahatsiaro ny fanekena izay nataony tamin'i Abrahama, sy ny voadiny tamin'Isaka Izy. 17 Izany no nohamafisiny tamin'i Jakoba toy ny fitsipika, ary tamin'Israely toy ny fanekena mandrakizay. 18 Hoy Izy hoe: "Hanome anareo ny tanin'i Kanana ho anjara lovanareo Aho." 19 Niteny izany Aho raha mbola vitsy an'isa ianareo, tena vitsy tokoa, ary vahiny tao amin'ny tany. 20 Nandeha tamin'ny firenena ho amin'ny firenena izy ireo, avy amin'ny fanjakana iray mankany amin'ny hafa. 21 Tsy nisy na iza na iza navelany hampahory azy ireo; ireo mpanjaka dia nosaziany nohon'ny amin'izy ireo. 22 Hoy Izy hoe: "Aza mikasika an'ireo izay voahosotro, ary aza manisy ratsy an'ireo mpaminaniko." 23 Mihirà ho an'i Yaveh, ry tany rehetra; hambarao isan'andro isan'andro ny famonjeny. 24 Hambarao eo amin'ireo firenena ny voninahiny, ary eo amin'ireo firenena rehetra ireo asany mahagaga. 25 Fa lehibe Yaveh ka tokony ho deraina indrindra, ary tokony hatahorana ambonin'ireo andriamanin-kafa rehetra Izy. 26 Satria sampy ireo andriamanitry ny firenena rehetra, fa Yaveh no nanao ny lanitra. 27 Eo amin'ny fanatrehany ny famirapiratana sy ny voninahitra. Ary eo amin'ny toerany ny hery sy ny hafaliana. 28 Manomeza an'i Yaveh, ry fokon'ny vahoaka, manomeza voninahitra sy hery an'i Yaveh; 29 omeo an'i Yaveh ny voninahitra mendrika ny anarany. Mitondrà fanatitra ary mankanesa eo anatrehany. Miankohofa amin'i Yaveh amin'ny famirapiratany masina. 30 Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra. Izao tontolo izao ihany koa dia efa naorina; tsy afaka hozongozonina izany. 31 Aoka ho faly ny lanitra, ary aoka hiravo ny tany; aoka izy ireo hiteny eo amin'ireo firenena hoe: "Manjaka Yaveh." 32 Aoka hierona ny ranomasina, ary izay mameno izany dia hihiaka am-pifaliana. Aoka ho ravo ireo saha, sy izay rehetra eo amin'ireo. 33 Ary aoka ireo hazo ao an'ala hihiaka am-pifaliana eo anatrehan'i Yaveh, fa ho avy hitsara ny tany Izy. 34 Misaora an'i Yaveh, fa tsara Izy, satria maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky. 35 Avy eo milazà hoe: "Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjenay. Hangony miaraka izahay ary vonjeo amin'ireo firenena hafa, mba ho afaka hanolotra fisaorana ho an'ny anaranao masina sy voninahitra amin'ny fiderana Anao izahay." 36 Ho deraina mandrakizay mandrakizay anie i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. Hoy ny olona rehetra hoe: "Amena" ary nidera an'i Yaveh. 37 Noho izany Davida dia namela an'i Asafa sy ireo rahalahiny teo anatrehan'ilay fiaran'ny faneken'i Yaveh, mba hanompo mandrakariva eo anatrehan'ilay fiara, araka izay takian'ny asa isan'andro isan'andro. 38 Anisan'izany i Obed-edoma miaraka amin'ireo havany valo amby enim-polo. Obed-Edoma zanaka lahin'i Jedotona, miaraka amin'i Hosa, no mpiandry vavahady. 39 Zadoka ilay mpisorona sy ireo mpisorona namany dia teo amin'ny toerana avo tao Gibeona mba hanompo eo anoloan'ny tabernakelin'i Yave. 40 Hanolotra fanatitra dorana mandrakariva amin'ny maraina sy hariva ho an'i Yaveh eo ambonin'ny alitara ho an'ny fandorana fanatitra izy ireo, araka izay rehetra voasoratra ao amin'ny lalàn'i Yaveh, izay nomeny ho didy ho an'Israely. 41 Hemana sy Jedotona dia niaraka tamin'izy ireo, niaraka tamin'ireo ambiny izay nosafidiana tamin'ny anarana, mba hanolotra fisaorana an'i Yaveh, satria maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky. 42 Hemana sy Jedotona no mpiandraikitra ny tranon'ireo izay mitsoka trompetra, kipantsona, ary zava-maneno hafa ho an'ny hira masina. Ireo zanaka lahin'i Jedotona no niandry ny vavahady. 43 Avy eo ny olona rehetra niverina tany an-tranon'izy ireo avy, ary Davida niverina mba hitahy ny ankohonany.
D.H: "Nentin'ireo Israelita niditra ilay fiara"
ampahana mofo voaendy, voatapy.
Voaloboka maina ireo, voankazo kely izay mitombo amin'ny hazom-boaloboka.
Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 13:7
Izany dia hilazana ny andron'ny fiaran'ny fanekena izay nahetsika avy ao an-tranon'i Obed-Edoma ho any Jerosalema.
D.H: "hira manome fisaorana"
D.H: "mivavaha amin'i Yaveh"
D.H: "amin'ny maha-Andriamanitra Azy"
D.H: "aoka ireo isay maniry ny hahafantatra an'i Yaveh tsaratsara kokoa"
Ireo andian-teny ireo dia mizara hevitra mitovy ary ampiasaina ho fampisongadinana. D.H: "Tadiavo i Yaveh sy ny heriny; tadiavo ny mba hanakaiky Azy mandrakariva"
D.H: "Tadidio ireo zava-mahatalanjona"
D.H: "izay nolazainy"
Ireo andian-teny ireo dia mizara hevitra mitovy ary ampiasaina ho fampisongadinana.
D.H: "Ho an'ny olon'ny tany rehetra ireo lalàny"
D.H: "tadidio ny faneken'i Yaveh"
"taranaka 1 000"
D.H: "Mahatadidy i Yaveh"
"ho anjaranareo"
D.H: "Niteny izany i Yaveh fony ireo Israelita mbola vondron'olona tena kely"
"hafa firenena tao amin'ny tany"
Ireo andian-teny ireo dia mizara hevitra mitovy ary manasongadina hoe ahoana ny halaviran'ny nirenirenevan'ireo Israelita.
"Tsy nanome lalana i Yaveh"
ho azy ireo
Ny zava-drehetra amin'ny tany dia mitondra voninahitra ho an'Andriamanitra.
D.H: "isan'andro"
D.H: "Manodidina Azy avokoa ny famirapiratana sy ny voninahitra."
D.H: "Mampiseho ny heriny sy ny hafaliany mazava tsara i Yaveh."
"Manomeza fiderana ho an'i Yaveh ho"
"mendrika izy na mendrika ny handray izy"
D.H: "Mampisehoa taho-panajana amin'ny fisainana Azy"
D.H: "Aoka hifaly ny rehetra na aiza na aiza."
D.H: "Hanao feo fifaliana tena mafy indrindra ny ranomasina."
D.H: "Ireo zava-boaarin'ny ranomasina"
Izany dia miresaka momba ny hazo raha mba olona afaka nihiaka fifaliana izy ireo.
D.H: "mandrakizay"
D.H: "Ny olona" na "Ny tsirairay avy izay teo"
D.H: "araka izay notakiana isan'andro tamin'ny lalàn'i Mosaika"
D.H:" mba hanompo eo ana akaikin'ny tabernakely"
"Ireo mpisorona"
Jereo ny nandikanao azy any ami'ny 13:7
1 Ary rehefa tafapetraka tao amin'ny tranony ny mpanjaka, dia hoy izy tamin'i Natana mpaminany hoe: "Indro, monina anaty trano sedera aho, nefa ny fiaran'ny faneken'i Yaveh dia mijanona ao ambany lay." 2 Dia hoy Natana tamin'i Davida hoe: "Mandehana, ataovy izay ao am-ponao, fa momba anao Andriamanitra." 3 Nefa ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'Andriamanitra, nanao hoe: 4 "Mandehana ary lazao i Davida mpanompoko hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: Tsy hanorina trano ho Ahy mba honenako ianao. 5 Fa tsy mbola nonina tao anaty trano Aho nanomboka tamin'ny andro izay nitondrako an'Israely niakatra ka hatramin'izao andro izao. Fa kosa, nonina tao anaty lay Aho, dia tabernakely, tamin'ny toerana samihafa. 6 Tamin'ny toerana rehetra izay efa nifindrako teo amin'Israely rehetra, moa ve Aho efa niteny na inona na inona tamin'ireo mpitarik'Israely izay notendreko ho mpiandry ny vahoakako, nanao hoe: "Nahoana ianareo no tsy nanorina trano sedera ho Ahy?""' 7 "Ankehitriny ary, lazao Davida mpanompoko hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Izaho no naka anao avy tamin'ny tany fihinanam-bilona, avy tamin'ny fanarahana ondry, mba ho mpanapaka eo amin'Israely oloko ianao. 8 Nomba anao Aho na taiza na taiza nalehanao ary nandringana ireo fahavalonao tsy ho eo anolonao, ary homeko anarana, tahaka ny anaran'ireo izay lehibe eto ambonin'ny tany ianao. 9 Hanendry toerana iray ho an'Israely oloko Aho ary hametraka azy ireo ao, mba honenan'izy ireo ao amin'ny toeran'izy ireo manokana ary tsy hanana ahiahy intsony. Ireo olona ratsy fanahy dia tsy hampahory azy ireo, tahaka ny nataon'izy ireo taloha intsony, 10 tahaka ny nataon'izy ireo nanomboka tamin'ny andro izay nandidiako ireo mpitsara mba ho eo amin'Israely oloko. Avy eo hampilavo lefona ireo fahavalonao rehetra Aho. Fanampin'izany dia lazaiko aminao fa izaho, Yaveh, dia hanorina trano iray ho anao. 11 Ho avy izany rehefa tanteraka ny fotoananao izay handehananao any amin'ireo razambenao, dia hanangana ireo taranaka mandimby anao Aho, ary ho an'iray amin'ireo taranakao, dia Izaho no hametraka ny fanjakany. 12 Hanorina trano ho Ahy izy, ary Izaho hametraka ny seza fiandrianany mandrakizay. 13 Ho rainy Aho, ary izy ho zanako. Tsy ho esoriko aminy ny fahatokian'ny fanekeko, tahaka ny nanesorako an'izany tamin'i Saoly, izay nanapaka talohanao. 14 Hapetrako ho eo amin'ny tranoko sy ho eo amin'ny fanjakako mandrakizay izy, ary ny seza fiandrianany dia hitoetra mandrakizay."' 15 Dia niresaka tamin'i Davida i Natana ary nitatitra ireo teny rehetra ireo tany aminy, ka niresaka taminy momban'ilay fahitana iray manontolo izy. 16 Dia niditra Davida mpanjaka ary nipetraka teo anoloan'i Yaveh; hoy izy hoe: "Iza moa aho, ry Yaveh Andriamanitra, ary inona ny fianakaviko, no dia nentinao ho amin'izao tanjona izao aho? 17 Fa zavatra kely teo imasonao izany, ry Andriamanitra. Niresaka ny amin'ny fianakavian'ny mpanomponao izay mbola ho avy Ianao, ary nampiseho ahy ireo taranaka ho avy, ry Yaveh Andriamanitra. 18 Inona intsony no azoko, izaho Davida, lazaina aminao? Nomenao voninahitra ny mpanomponao. Nomenao fankatoavana manokana ny mpanomponao. 19 Ry Yaveh, nohon'ny amin'ny mpanomponao, sy mba hahatanteraka ny tanjona manokana, no nanaovanao izao zava-dehibe izao mba hampiharihariana ireo asanao lehibe rehetra. 20 Ry Yaveh, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay efa renay mandrakariva. 21 Fa iza no firenena eto ambonin'ny tany tahaka ny Israely olonao, izay navotanao, Andriamanitra, avy any Egypta mba ho vahoaka ho Anao, mba hanao anarana ho anao amin'ireo asa lehibe sy mahagaga? Ireo firenena dia noroahinao tsy ho eo anoloan'ny vahoakanao, izay navotanao tamin'i Egypta. 22 Nataonao ho vahoakanao manokana mandrakizay i Israely, ary Ianao, ry Yaveh, dia tonga Andriamanitr'izy ireo. 23 Koa ankehitriny, ry Yaveh, hitoetra mandrakizay anie ny fampanantenana izay nataonao mahakasika ny mpanomponao sy ny fianakaviany. Ataovy araka izay efa nolazainao. 24 Hitoetra mandrakizay anie ny anaranao ary ho lehibe, ka hilaza ny olona hoe: "Yaveh tompon'ny maro no Andriamanitr'Israely,' raha apetraka eo anatrehanao, ny tranoko, Davida mpanomponao. 25 Fa Ianao, ry Andriamanitro, dia efa nampiseho tamin'ny mpanomponao fa hanorina trano ho azy Ianao. Izany no antony, nahitako, izaho mpanomponao, faharisihana hivavaka aminao. 26 Koa ankehitriny, ry Yaveh, Ianao no Andriamanitra, ary efa nanao izany fampanantenana tsara izany tamin'ny mpanomponao: 27 Ary sitrakao ny hitahy ny tranon'ny mpanomponao, mba hitoizan'izany mandrakizay eo anatrehanao. Ianao, ry Yaveh, no nitahy izany, ka ho voatahy mandrakizay izany."
mba hamapahazo aina sy ho faly, tsy misy faniriana ny hihetsika na hiova.
Ny hazo avy amin'ny hazo sedera dia noheverina ho hazo tsara indrindra ho an'ny fanorenana.
I Davida dia nanabara ny faritry ny vatana izay mikambana amin'ireo fihetseham-po. D.H: "ataovy izay tian'ny fonao hatao"
Ny tsara fifandraisana amin'Andriamanitra dia tahaka ny miasa miaraka aminy satria Andriamanitra dia hanampy anao handresy. D.H: "Miombon-kevitra amin'izay tianao hatao Andriamanitra."
"Niteny ny teniny Andriamanitra"
D.H: "izay nitondrako ireo Israelita ho any amin'ny tany nampanantenaina avy any amin'ny tany Egypta"
Na ireo teny hoe "lay" na "tabernakely" dia mamaritra zavatra mitovy ihany ary mampisongadina fa niaina tamin'ny toerana izay tsy nisy trano maharitra izy.
D.H: "Tokony nanorina trano tamin'ny hazo lafo ho ahy ianareo."
Ny asan'i Davida amin'ny maha-mpiandry ondry dia nilazana ny toerana izay nijereny ny ondriny. D.H: "Nalaiko avy tamin'ny asanao amin'ny maha mpiandry ondry anao ianao"
Jereo ny nandikanao io teny io ao amin'ny 4:39
Mitohy miresak amin'ny Natana ny hafatra izay heverina homena an'i Davida Andriamanitra.
Andriamanitra dia milaza ny hametraka an'Israely amin'ny tany namapanantenaina toy ny zava-maniry izay napetrany teo amin'ny tany. D.H: "Hampitoetra azy ireo eo Aho"
Ny fotoan'ny taranaka maro dia nolazaina ho hatramin'ireo andro. D.H: "raha nandidy Aho" na "hatramin'ny taranaka izay nandidiako"
Ny hoe eo amin'ny fitondrana dia nolazaina koa ho eo amin'ny olona iray. D:H "handidy ny Israely oloko"
Ny teny "anao" sy "ianao" dia nialazana an'i Davida.
mampahatonga ny olona iray na biby tsy ho afaka hanafika.
Yaveh dia nilaza ny hanome an'i Davida taranaka maro mba hitondra manerana an'Israely tamin'ny nanorenany trano ho Azy.
Ny fiainana dia nolazaina ho isan'ny andro sasany.
Ireo andian-teny ireo dia milaza ny fahafatesana ho toerana izay misy ny razamben'i Davida satria efa maty izy ireo.
Ny fametrahana olona iray eo amin'ny fitarihana dia nilazana ny fananganana azy ireo ambony kokoa.
Ny didy izay hitondra tahaka ny mpanjaka dia nofaritana eo amin'ny toerana izay ipetrahan'ny mpanjaka.
ny didin'ny mpanjaka izay hitondra dia noharina amin'ny toeran'ny sezan'ny mpanjaka. D.H:" ary ny didiny hitondra"
"niteny azy"
"niteny Davida"
Nanontany io fanontaniana io i Davida mba hanehoana ny fisaorany fa Andriamanitra dia nifidy ny hitahy azy na dia tsy nieritreritra izany aza izy.
Zavatra izay tsy manan-danja dia voafaritra ho kely.
ny fahitan'i Yaveh dia nampiasaina mba hilazana ny fahazavan-tsainy. D.H: "ho anao"
Nampiasa io fanontaniana io i Davida mba hanambarana fa tsy afaka naneho tanteraka ny fisaorany an'Andriamanitra izy. D.H: "Raha afaka milaza bebe kokoa aho mba hanambara ny fankasitrahako ary nanaiky aho fa tsy haiko hoe inona ihany koa no holazaiko.
Nilaza ny tenany ho mpanompon'i Yaveh i Davida.
Ireo andian-teny ireo dia manana dika mitovy. Raha tokana ihany ny fomba hanambaran'ny fiteninao ny hoe "voninahitra" sy "fankatoavana" dia azo adika ho andian-teny iray izany.
D.H: "tombony ho ahy"
D.H: "navotana tamin'ny fanandevozana tany Egypta."
Ireo teny hoe "Lehibe" sy "mahagaga" dia midika amin'ny ankapobeny zavatra mitovy ihany ary mampisongadina ny hamafisan'ny fahalehibeazana. D.H: "tena asa mahagaga."
D.H: "hitohy mandrakizay"
Ny fananan-janaka sy ny fampivelarana fianakaviana lehibe dia nofaritana amin'ny fanorenana trano.
D.H: "tonga marisika amin'ny antonony."
Midika zavatra mitovy, naverina ho fampisongadinana.
1 Taorian'izany Davida dia nanafika ny Filistina ary nandresy azy ireo. Nalàny teo amin'ny fifehezan'ny Filistina i Gata sy ny tanànany. 2 Ary nandresy an'i Moaba izy avy eo, ary dia lasa mpanompon'i Davida ny Moabita ary nandoa hetra taminy. 3 Dia resin'i Davida i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba tao Hamata, raha mbola nandeha mba hametraka ny lalàny teo amoron'ny reniranon'i Eofrata i Hadarezera. 4 Nisambotra kalesy arivo, sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo, ary mpandeha an-tongotra roa alina i Davida. Notraingoin'i Davida ireo soavalin'ny kalesy rehetra, fa nanokana izay mahampy kalesy zato izy. 5 Nony tonga mba hanampy an'i Hadarezera mpanjakan'i Zoba ireo Syriana avy any Damaskosy, dia namono lehilahy Syriana roa arivo sy roa alina Davida. 6 Avy eo dia nametraka miaramila tany Syria any Damaskosy i Davida, ka lasa mpanompon'i Davida ny Syriana ary nandoa hetra taminy. Nomen'i Yaveh fandresena i Davida na taiza na taiza nalehany. 7 Nalain'i Davida ireo ampinga volamena rehetra teny amin'ny mpanompon'i Hadarezera ary nentiny tany Jerosalema. 8 Tany Tibata sy Kona, tanànan'i Hadarezera, dia naka varahina betsaka i Davida. Izany varahina izany no nanaovan'i Solomona ny ranomasim-barahina, ny andry, sy ny fitaovana varahina taty aoriana. 9 Nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa resin'i Davida ny tafik'i Hadarezera mpanjakan'i Zoba rehetra, 10 dia nalefan'i Toy tany amin'i Davida i Hadorama zanany lahy mba hiarahaba sy hisaotra azy, satria Davida niady tamin'i Hadarezera sy nandresy azy, ary satria nanangana ady tamin'i Toy i Hadarezera. Ary Hadorama dia nitondra zavatra vita tamin'ny volafotsy, volamena, ary varahina niaraka taminy. 11 Natokan'i Davida mpanjaka ho an'i Yaveh ireo zavatra ireo, niaraka tamin'ny volafotsy sy volamena izay noentiny avy tamin'ny firenena rehetra: Edoma, Moaba, ny vahoakan'i Amona, ireo Filistina, ary ny Amalekita. 12 Namono Edomita valo arivo sy iray alina i Abisay zanaka lahin'i Zeroia tao amin'ny Lohasahan-tsira. 13 Nametrahany miaramila tao Edoma, ary dia lasa mpanompon'i Davida ireo Edomita rehetra. Nomen'i Yaveh fandresena i Davida na taiza na taiza nalehany. 14 Nanjaka teo amin'Israely rehetra Davida, ary nampihatra ny rariny sy ny fahamarinana tamin'ny vahoakany rehetra izy. 15 Joaba zanaka lahin'i Zeroia no mpifehy ny tafika, ary Josafata zanaka lahin'i Ahiloda no mpitan-tsorata. 16 Zadoka zanaka lahin'i Ahitoba sy Abimeleka zanaka lahin'i Abiatara no mpisorona, ary Saosa no mpanora-dalàna. 17 Benaia zanaka lahin'i Joiada no nifehy ireo Keretita sy Peletita, ary ireo zanaka lahin'i Davida no mpanolotsaina mitarika ny mpanjaka.
"Taorian'ny fampanantenan'Andriamanitra hitahy an'i Davida."
Izany no anaran'ny lehilahy.
Izany no anaran'ny tanàna.
"kalesy 1 000"
Miaramila izay nitaingina soavaly ireo. "Mpiataingin-tsoavaly 7 000"
Miaramila izay mandeha an-tongotra ireo. "Mpandeha an-tongotra 20 000"
mamela takaitra amin'ny olona na biby amin'ny fanapahana ny hoza-peny ao ambadiky ny feny.
Mitahiry ho amin'ny fampiasana miavaka
"kalesy 100"
roa alina - "namono 22 000".
vondrona miaramila voatendry ho amin'ny faritr voatokana.
Jereo hoe ahoana no nandikanao ny anarany ao amin'ny 18:3
Ireo no anaran'ireo tanàna.
Vilia varahina lehibe izany, eo amin'ny 5 metatra miakatra eo, izay notandremana tao amin'ny tempoly ho amin'ny lanonan'ny fanasana.
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
"anaty ady miaraka amin'i"
Anaran'ireo lehilahy ireo.
"Edomita 18 000"
Izany no anaran'ny lohasaha avy any Edoma sy Joda izay nampiasaina ho tanin'ady.
vondrona miaramila voatendry ho amin'ny faritra voatokana.
"ny vahoakan'i Edoma dia noterena hanaiky an'i Davida ho mpanjakan'izy ireo sy handoa vola ho an'ny fitondran'i Davida isan-taona"
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
ny olona izay manoratra ny antsipirihan'ny hetsika miavaka.
Io fanononana io dia maneho fanitsiana ami'ny fanononana hoe "Abimeleka", izay arahan'ny dikan-teny hafa. Ny fanononana voahitsy dia mahatonga io andininy io hifanaraka amin'ny 8:15.
Ny dikan-teny hafa dia manitsy an'io mba hilazana fa i Ahitoba sy Abimeleka no mpisorona avo.
Ireo no anaran'ny vondron'ny olona.
1 Ary taty aoriana dia maty Nahasy, mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, ary dia ny zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 2 Hoy Davida hoe: "Hampiseho hatsaram-panahy amin'i Hanona zanaka lahin'i Nahasy aho, satria nampiseho hatsaram-panahy tamiko ny rainy." Ka dia nandefa iraka i Davida mba hampionona azy mahakasika an-drainy. Niditra tany amin'ny tanin'ny Amonita ireo mpanompon'i Davida ary nankany amin'i Hanona, mba hampionona azy. 3 Saingy hoy ireo andrian-dahy Amonita tamin'i Hanona hoe: "Mieritreritra ve ianao fa manome voninahitra ny rainao i Davida satria naniraka ireo mpanompony mba hampahery anao? Moa tsy tonga eto aminao ireo mpanompony mba hisafo sy hizaha ny tany mba handravana izany?" 4 Koa dia nisambotra ireo mpanompon'i Davida i Hanona, nandratra azy ireo, nanapaka ireo fitafian'izy ireo hatreo amin'ny valahany, hatreo amin'ny foto-pen'izy ireo, ary nandroaka azy ireo. 5 Rehefa nazavain'izy ireo tamin'i Davida izany, dia naniraka hitsena azy ireo izy, satria afa-baraka tanteraka ireo lehilahy. Hoy ny mpanjaka hoe: "Mijanòna ao Jeriko mandra-pitsirin'ny volombavanareo indray, ary miverena avy eo." 6 Rehefa hitan'ireo Amonita fa lasa nangidy hoditra tamin'i Davida izy ireo, dia nandefa talenta volafotsy arivo i Hanona sy ny Amonita mba hanakaramana kalesy Syriana sy mpitaingin-tsoavaly avy tamin'i Naharaima, Maka, ary Zoba. 7 Nanakarama azy ireo kalesy roa arivo sy telo alina ny mpanjakan'i Maka sy ny vahoakany, izay tonga nitoby teo anoloan'i Medeba. Niangona tany amin'ireo tanànany ireo Amonita, ary nivoaka ho amin'ny ady. 8 Rehefa nahare izany i Davida, dia naniraka an'i Joaba sy ny tafiny manontolo izy mba hihaona amin'izy ireo. 9 Nivoaka ny vahoakan'i Amona ka nilahatra ho amin'ny ady teo amin'ny vavahadin'ny tanàna, raha teny amin'ny saha ireo mpanjaka izay tonga. 10 Rehefa hitan'i Joaba ny ady nanatrika azy sady teo anoloana no tao aoriana, dia nifantina ny sasany tamin'ireo mpiady mahay indrindra teo amin'Israely izy ary nandahatra azy ireo hanohitra ireo Syriana. 11 Raha ny amin'ireo tafika ambiny, dia nomeny ho eo ambany fandidian'i Abisay rahalahiny izany, ary nalahany ho amin'ny ady hanohitra ny tafik'i Amona izy ireo. 12 Hoy Joaba hoe: "Raha toa ka mahery loatra ho ahy ireo Syriana, dia ianao, ry Abisay, no tsy maintsy mamonjy ahy. Fa raha mafy loatra aminao kosa ny tafik'i Amona, dia ho avy hamonjy anao aho. 13 Mahereza, ary aoka isika hampiseho ny tenantsika ho mahery ho an'ny vahoakantsika sy ho an'ireo tanànan'ny Andriamanitsika, fa hanao izay tsara ho an'ny tanjony Yaveh." 14 Koa dia niroso ho amin'ny ady i Joaba sy ireo miaramila tafiny mba hanohitra ireo Syriana, izay voatery nitsoaka teo anatrehan'ny tafik'Israely. 15 Rehefa hitan'ny tafik'i Amona fa efa nandositra ireo Syriana, dia nandositra an'i Abisay rahalahin'i Joaba ihany koa izy ireo ka niverina tany an-tanàna. Avy eo niverina avy tany amin'ny vahoakan'i Amona i Joaba ary nody tany Jerosalema. 16 Rehefa hitan'ireo Syriana fa resin'Israely izy ireo, dia nandefa fanampin-kery avy tany andafin'ny Ony Eofrata izy ireo, niaraka tamin'i Sofaka ilay mpifehy ny tafik'i Hadarezera. 17 Rehefa nilazàna izany i Davida, dia nanangona ny Israely rehetra izy, niampita an'i Jordana, ary tonga teo amin'izy ireo. Nandahatra ny tafika ho amin'ny ady hanohitra ireo Syriana izy, ary niady taminy izy ireo. 18 Nandositra an'Israely ny Syriana, ary Davida namono mpitaingin-kalesy Syriana fito arivo sy miaramila mpandeha tongotra efatra alina. Novonoiny ihany koa i Sofaka, ilay mpifehy ny tafika. 19 Rehefa hitan'ireo mpanjaka rehetra izay mpanompon'i Hadarezera fa resin'Israely izy ireo, dia nihavana tamin'i Davida izy ireo ary nanompo azy ireo. Ka dia tsy maniry ny hanampy ireo Amonita intsony ny vahoakan'i Syria.
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
D.H: "Ho tsara fanahy aho... tsara fanahy"
"hankahery"
D.H: "Tsy tokony hieritreritra ianao hoe nanome voninahitra ny rainao i Davida satria nandefa lehilahy hampahery anao izy."
D.H: "Tonga taminao tokoa ireo mpanompony hisafo ny tany mba handravana izany."
"akanjo"
"nandefa iraka sasany mba hankahery azy ireo izy"
Voafaritra ho lalina ny fahafaham-baraka mba hampisehoana fa nikasika azy ireo tokoa izany.
Ny teny hoe "nangidy hoditra" dia ilazana fanimboloana ratsy. Mamaritra ireo Amonita ho zavatra tsy mahafinaritra sy tsy iriana izany.
"talenta 1 000"
Ireo no anaran'ireo tanàna.
"nahare fa ireo Amonita dia tonga ho amin'ny ady"
"mba hiady hanohitra azy ireo"
Izany no anaran'ny rahalahin'i Joaba.
"Manàna herim-po"
D.H: "aoka isika hitondra tena amim-pahasahiana".
D.H: "nihetsika mandroso ho amin'ny ady" na "nanantona ny miaramila fahavalo an'ady"
"nahatakatra ireo Syriana"
"miaramila bebe kokoa"
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
D.H: Rehefa nilaza izany an'i Davida ny mpitondra hafany.
"nandrindra"
"niady tamin'i Davida sy ireo miaramilany ireo Arameana"
"namono 7 000"
"miaramila an-tongotra 40 000"
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
1 Ary tamin'ny fotoanan'ny lohataona, fotoana andehanan'ny mpanjaka any an'ady raha ny tokony ho izy, no nitarihan'i Joaba ny tafika ho amin'ny ady sy nandravany ny tanin'ireo Amonita. Lasa izy ary nanao fahirano an'i Raba. Nijanona tao Jerosalema i Davida. Ary nanafika an'i Raba ka nandresy izany i Joaba. 2 Nesorin'i Davida hiala amin'ny lohany ny satro-boninahitry ny mpanjakan'izy ireo, ary hitany fa talenta volamena iray ny lanjan'izany, ary nisy vato sarobidy tao amin'izany. Napetraka teo an-dohan'i Davida ilay satro-boninahitra, ary navoakany ireo babo maro be tao an-tanàna. 3 Navoakany ny olona izay tao an-tanàna ary notereny hiasa miaraka amin'ny tsofa sy fangao-by ary famaky izy ireo. Davida dia nangataka ireo tanànan'ny vahoakan'i Amona rehetra mba hanao izany asa izany. Avy eo niverina tany Jerosalema i Davida sy ny tafika rehetra. 4 Taorian'izany dia nisy ady niaraka tamin'ireo Filistina tao Gazera. Novonoin'i Sibekay ilay Hosatita i Sipay, iray amin'ireo taranaky ny Refaita, ary resy ireo Filistina. 5 Dia nisy ady niaraka tamin'ireo Filistina indray tao Goba, ary novonoin'i Elanana zanaka lahin'i Jaira ilay Betlehemita i Lamy rahalahin'i Goliata ilay Gatita, ny tsora-kazon'izay nanana lefona dia toy ny vodi-tenon'ny mpanenona. 6 Ary nisy ady iray hafa indray tao Gata izay nisy lehilahy lava vaventy nanana rantsan-tanana enina isaky ny tanana ary rantsan-tongotra enina isaky ny tongotra. Izy ihany koa dia avy amin'ny taranaky ny Refaita. 7 Rehefa naniratsira ny tafik'Israely izy, dia novonoin'i Jehonadaba zanaka lahin'i Simea, rahalahin'i Davida. 8 Ireo no taranaky ny Refaita avy ao Gata, ary matin'ny tanan'i Davida sy ny tanan'ireo miaramilany izy ireo.
"namotehana ny tany" Izany dia ilazana ny tamin'ny tafika handrava ny tany izay nambolen'ireo fahavalo sakafo.
D.H: "Napetrak'ireo lehilahin'i Davida teo an-dohany ilay satro-boninahitra."
zavatra manan-danja azo tamin'ny ady.
Ny vahoaka dia nilazana ireo tanànan'izy ireo. D.H: "Davida dia nangataka ireo vahoakan'ny tanàna rehetra."
Ireo no anaran'ireo tanàna.
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
Ireo no anaran'ireo vondron'olona.
mitarika olona na zavatra amin'ny alalan'ny fampianan-kery.
hazo lava sy manify.
singan-kazo ampiasaina mba haninjirana tady tahaka ny kofehin-damba nozairina miaraka manodidina azy ireo.
izany no anarana nomena ny hazakazaky ny olona izay lava be sy matanjaka.
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
Davida sy ireo miaramilany dia nilazana ny faritry ny tenany nampiasaina hitazonana ny lefona. D.H: "Davida sy ireo miaramilany dia namono ny taranaky ny Refaita"
1 Nisy fahavalo iray nitsangana nanohitra an'Israely ary nandrisika an'i Davida mba hanisa ny Israely. 2 Hoy Davida tamin'i Joaba sy ireo mpifehy ny tafika hoe: "Mandehana, isao ny vahoakan'Israely avy ao Beri-sheba ka hatrany Dana ary tatero amiko, mba hahafantarako ny isan'izy ireo." 3 Dia hoy Joaba hoe: "Hampitombo avo zato heny ny tafiny anie Yaveh. Kanefa ry tompoko ilay mpanjaka, moa tsy manompo ny tompoko izy rehetra? Nahoana no mila izany ny tompoko? Nahoana no mitondra heloka amin'Israely?" 4 Kanefa tapitra ny tenin'ny mpanjaka amin'i Joaba. Koa dia lasa Joaba ary nandeha nanerana an'Israely rehetra. Avy eo dia niverina tao Jerosalema izy. 5 Ary dia notaterin'i Joaba tamin'i Davida ny fitambaran'ny isan'ireo lehilahy mpiady. Nisy lehilahy 1. 100. 000 mitan-tsabatra tao Israely. Joda irery no nanana miaramila 470. 000. 6 Fa Levy sy Benjamina dia tsy voaisa amin'izy ireo, satria naharikoriko an'i Joaba ny baikon'ny mpanjaka. 7 Naha-tohina an'Andriamanitra ny fihetsiny, ka dia nanafika an'Israely Izy. 8 Hoy Davida tamin' Andriamanitra hoe: "Nanota be aho tamin'ny fanaovana izany. Koa esory ny heloky ny mpanomponao, satria nanao adalana be aho." 9 Hoy Yaveh tamin'i Gada, mpaminanin'i Davida hoe: 10 "Mandehana lazao amin'i Davida hoe: 'Izao no ambaran'i Yaveh: Omeko safidy telo ianao. Misafidiana iray amin'ireo.'" 11 Noho izany Gada dia nankany amin'i Davida ary niteny taminy hoe: "Izao no ambaran'i Yaveh: 'Misafidiana iray amin'ireto: 12 mosary telo taona, sa telo volana enjehan'ireo fahavalo sy tratran'ny sabatr'izy ireo, sa telo andro amin'ny sabatr'i Yaveh, izany hoe, areti-mandringana ao amin'ny tany, miaraka amin'ny anjelin'i Yaveh mandrava manerana ny tanin'Israely rehetra.' Koa ankehitriny ary, tapao izay valin-teny tokony ho entiko any amin'ilay naniraka ahy." 13 Dia hoy Davida tamin'i Gada hoe: "Ory loatra aho. Avelao aho hianjera eo an-tanan'i Yaveh toy izay eo an-tanan'ny olona, satria tena lehibe ny famindram-pony." 14 Noho izany dia nandefa loza tamin'Israely i Yaveh, ary olona fito alina no maty. 15 Nandefa anjely tany Jerosalema i Yaveh mba handrava izany. Raha iny izy saika handrava azy iny, dia nijery Yaveh ary nanova ny fisainany tamin'ilay ratsy. Hoy Izy tamin'ilay anjely mpandrava hoe: "Ampy izay! Atsaharo ny tananao." Tamin'izany fotoana izany dia nitsangana teo amin'ny famoloan'i Araona ilay Jebosita ny anjelin'i Yaveh. 16 Nijery ambony Davida ary nahita ilay anjelin'i Yaveh nijoro teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra, nisy sabatra voatsoaka nanondro an'i Jerosalema teny an-tanany. Avy eo Davida sy ireo loholona, nitafy akanjo fisaonana, nampiankohoka ny tavan'izy ireo tamin'ny tany. 17 Dia hoy Davida tamin'Andriamanitra hoe: "Moa tsy izaho no nandidy ny hanisàna ireo tafika? Nanao izany zavatra ratsy izany aho. Fa ireo ondry ireo, inona no nataon'izy ireo? Ry Yaveh Andriamanitro! Aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakaviako, fa aza avela hitoetra amin'ny vahoakanao ny loza." 18 Dia nandidy an'i Gada ny anjelin'i Yaveh mba hilaza amin'i Davida, fa tokony hiakatra sy hanorina alitara ho an'i Yaveh eo amin'ny famoloan'i Araona ilay Jebosita i Davida. 19 Noho izany dia lasa niakatra Davida araky ny toromarika nasain'i Gada nataony amin'ny anaran'i Yaveh. 20 Raha mbola nitoto vary i Araona, dia nitodika izy ary nahita ilay anjely. Dia niafina izy ireo sy ireo zanany lahy efatra. 21 Rehefa tonga tany amin'i Araona i Davida, dia nijery Araona ka nahita an'i Davida. Nandao ny famoloana izy ary nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany teo amin'i Davida. 22 Dia hoy Davida tamin'i Araona hoe: "Amidio amiko ity famoloana ity, mba hafahako manorina alitara ho an'i Yaveh. Ho aloako ny vidiny feno, mba hiala amin'ny vahoaka ny loza." 23 Hoy Araona tamin'i Davida hoe: "Alaivo ho anao izany, ry tompoko ilay mpanjaka. Ataovy aminy izay hitanao fa tsara eo imasonao. Indro, hanome omby ho anao ho fanatitra dorana aho, ny fivelesam-bary ho kitay, ary ny vary ho fanatitra voa; homeko anao avokoa izany." 24 Dia hoy Davida mpanjaka tamin'i Araona hoe: "Tsia, mihizingizina hividy izany amin'ny vidiny feno aho. Tsy haka izay anao sy hanolotra izany ho fanatitra dorana amin'i Yaveh aho raha omena ahy fotsiny izany." 25 Noho izany dia nandoa enin-jato sekely volamena ho an'ilay toerana i Davida. 26 Nanorina alitara ho an'i Yaveh teo Davida ary nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihombonana teo amin'izany. Niantso an'i Yaveh izy, izay namaly azy tamin'ny afo avy any an-danitra ho eo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana. 27 Avy eo Yaveh nanome baiko an'ilay anjely, ary namerina ny sabany tao amin'ny fitoerany ilay anjely. 28 Rehefa hitan'i Davida fa namaly azy teo amin'ilay famoloan'i Araona ilay Jebosita i Yaveh, dia nanao ny sorona teo izy tamin'io fotoana io ihany. 29 Ary tamin'izany fotona izany, ny tabernakelin'i Yaveh, izay nataon'i Mosesy tany an'efitra, sy ny alitara ho an'ny fanatitra dorana, dia tany amin'ireo tany avo tany Gibeona. 30 Kanefa, tsy afaka nandeha tany mba hangataka ny tari-dalan'Andriamanitra i Davida, satria natahotra ny sabatry ny anjelin'i Yaveh izy.
Ny hoe tonga avo kokoa dia mamaritra ny fahatongavana ho mahery kokoa. D.H: "Nisy fahavalon'i Israely tonga mahery kokoa"
Mahatonga olona iray hiasa.
ireo Israelita dia nandray ireo tanàna roa ireo ho tanàna atsimo indrindra sy avaratra indrindra. Nampiasain'i Davida ireo tanàna ireo hilazany an'Israely manontolo.
Maneho ny faniriana ny amin'ny tafika i Joaba ho tafika 100 habetsaka mba hilazana fa tiany hanana miaramila maromaro kokoa sy matanjaka kokoa ny tafika.
D.H:" Kanefa ry tompoko mpanjaka, tena nanompo anao tokoa izy ireo. Tokony tsy hangataka izany ny tompoko. Hitondra heloka amin'ny vahoakan'i Israely fotsiny ianao noho ny fanirianao miaramila matanjaka."
Ny teny hoe "izany" dia milaza ny drafitr'i Davida hanisa ireo lehilahin'Israely rehetra."
Io andian-teny io dia milaza fahataperan'ny didin'ny mpanjaka satria tsy te hanova ny didiny avy nomena izy. D.H: "ny didin'ny mpanjaka dia tsy niova."
Ny miaramila tao Israely dia voafaritra tamin'ny asa fisintonana sabatra mba hiadiana miaraka aminy.
D.H: "Fa i Joaba tsy nanisa ireo lehilahy avy amin'ny fokon'ny Levy sy Benjamina"
"ny fihetsiny" dia ilazana ny drafitr'i Davida hanisa ireo lehilahin'Israely rehetra izay afaka hiady.
Ny famelan-keloka dia voafaritra amin'ny fisian'ny heloka voaesotra.
Milaza ny tenany ho mpanompon'Andrimanitra i Davida. D.H: "ny heloko"
Io andian-teny io dia fomba malefaka hamaritana fa matin'ny fahavalo.
Io andianteny io dia mamaritra ny fomba famonoan'i Yaveh amin'ny alalan'ny fitaovana izay tian'ny miaramila ampiasaina mba hamonoana.
D.H: "mamono"
D.H: "Anaty olana be aho"
D.H: "Avelao aho ho eo ambanin'ny fitantanan'i Yaveh, toy izay ambanin'ny fitantanan'ny olona, satria tena mpamindra fo Yaveh."
"ary olona 70 000 no maty"
Manova fanapahan-kevitra.
Miteny ireo anjely mpandrava i Yaveh mba hanajanona ny famonoana olona.
Ny anjelin'i Yaveh dia voafaritra ho zavatra izay nanaiky hitsangana tahaka ny olona izay nanaiky hitsangana.
Izany no anaran'ny lehilahy.
D.H: "vonon-kanafika"
D.H: "Izaho no ilay iray izay nandidy fa hisaina ny tafika"
I Davida dia namaritra ny olon'Israely ho karazam-biby izay hatoky sy hanaraka ny mpitondra azy.
D.H: "Tena tsy nanao na inona na inona izay mendrika famaizana izy ireo."
Jereo hoe ahoana no nandikanao ny anarany ao amin'ny 21:13
D.H: "tahaka an'i Gada, niresaka tamin'ny fahefan'Yaveh, no niresaka tamin'i Davida ny tokony hatao."
Io andian-teny io dia mamaritra fa i Araona dia niankohoka mafy teo aloha. Ny miankohoka eo anolohan'ny olona iray dia fomba hanehoana fanetre-tena sy voninahitra. Ny fiankohofana lalina dia maneho fanetre-tena sy fanajana goavana.
D.H: "Handoa ny vidin'ity famoloana feno aho"
D.H: "Alaivo ho toy ny fanomezana izany"
Ny fisainan'i Davida dia voafaritra amin'ny fahitany. D.H: "izay toa tsara aminao"
takelaka hazo miaraka amin'ny vato na vy voavoatra ambany, nampiasaina mba hampisarahana voa avy amin'ny tahony amin'ny alalan'ny fisintonana azy eo amin'ny vary mipetraka ao amin'ny toeran'ny famoloana.
"sekela volamena 600"
"Nivavaka tamin'ny Yaveh ho famonjena izy"
D.H: "nitsahatra tamin'ny famonoana olona ny anjely."
fonona sabatra na antsy.
Jereo hoe ahoana no nandikanao ny anarany ao amin'ny 23:13
D.H: "Miteny aminy izay tokony hataony Andriamanitra"
D.H: "natahotra ny ho voavonon'ny anjelin'i Yaveh izy"
1 Avy eo Davida nilaza hoe: "Eto no hisy ny tranon'i Yaveh Andriamanitra, miaraka amin'ny alitara ho an'ny fanatitra doran'Israely." 2 Koa nandidy ireo mpanompony i Davida mba hanangona miaraka ireo vahiny izay monina any amin'ny tanin'Israely. Notendreny izy ireo mba ho mpamaky vato, mba hamaky ireo vato karangana, mba hanorenana ny tranon'Andriamanitra. 3 Nanome vy maro be ho fantsiky ny varavarana mba ho eo amin'ny vavahady, ary amin'ireo vy fanitsiana i Davida. Nanome varahina maro noho izay azo lanjaina ihany koa izy, 4 ary hazo sedera maro tsy tambo isaina. (Nitondra hazo sedera maro be ho an'i Davida mba hisaina ireo Sidoniana sy ireo Tyriana.) 5 Hoy Davida hoe: "Solomona zanako lahy dia tanora sady tsy manam-pahaizana, ary ilay trano izay tokony hamboarina ho an' i Yaveh dia tsy maintsy mahatalanjona, mba halaza sy ho be voninahitra eo amin'ireo tany hafa rehetra. Koa hikarakara ny fanorenana izany aho." Noho izany dia nanao fanomanana lehibe i Davida talohan'ny nahafatesany. 6 Avy eo dia niantso an'i Solomona zanany izy ary nandidy azy hanorina trano ho an'i Yaveh, Ilay Andriamanitr'Israely. 7 Hoy Davida tamin'i Solomona hoe: "Ry zanako, fikasako ny hanorenako trano, ho an'ny anaran'i Yaveh Andriamanitro. 8 Kanefa Yaveh nanatona ahy ary niteny hoe: 'Efa nandatsaka rà maro ary efa niady ady maro ianao. Tsy hanorina trano ho an'ny anarako ianao, satria efa nandatsaka rà maro teto an-tany teo imasoko ianao. 9 Na dia izany aza, hanana zanaka lahy iray tia fihavanana ianao. Hanome azy fialan-tsasatra amin'ireo fahavalony rehetra amin'ny lafiny rehetra Aho. Fa ny anarany dia ho atao hoe Solomona, ary hanome azy fiadanana sy fahanginana ho an'Israely amin'ireo androny Aho. 10 Hanorina trano ho an'ny anarako izy. Ho zanako izy, ary ho rainy Aho. Hametraka ny seza fiandrian'ny fanjakany eo amin'Israely mandrakizay Aho.' 11 Ankehitriny, ry zanako, homba anao anie Yaveh ary hampahomby anao. 12 Hanorina ny tranon'i Yaveh Andriamanitrao anie ianao, araka ny nolazainy fa hataonao. Hanome anao saina sy fahazavan-tsaina ihany koa anie Yaveh, mba hankatoavanao ny lalàn'i Yaveh Andriamanitrao, rehefa mametraka anao hiasa eo amin'Israely Izy. 13 Dia hahomby ianao, raha mankatoa tsara ireo lalàna sy ireo didy izay nomen'i Yaveh tamin'i Mosesy mahakasika ny Israely. Mahereza ary manàna herim-po. Aza matahotra na kivy. 14 Ary, indro, ny fihezahana lehibe izay efa nomaniko ho an'ny tranon'i Yaveh izay talenta volamena 100. 000, talenta volafotsy iray tapitrisa, ary varahina sy vy maro be. Efa nanome hazo sy vato ihany koa aho. Tsy maintsy hanampy bebe kokoa an'ireo rehetra ireo ianao. 15 Manana mpiasa maro miaraka aminao ianao: mpamaky vato, mpanao trano, mpandrafitra, ary ireo mpanao asa-tanana mahay maro isan-karazany, 16 izay afaka miasa amin'ny volamena, volafotsy, varahina, ary vy. Ka atomboy ny asa, ary homba anao anie Yaveh." 17 Nandidy ireo mpitariky ny Israely rehetra ihany koa Davida mba hanampy an'i Solomona zanany lahy, manao hoe: 18 "Momba anareo Yaveh Andriamanitrareo ary efa nanome fiadanana anareo tamin'ny lafiny rehetra. Efa nanome ireo mponin'ny faritra teto am-pelatanako Izy. Milavo lefona eo anatrehan'i Yaveh sy ny olony ny faritra. 19 Ankehitriny mitadiava an'i Yaveh Andriamanitrareo amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra. Mitsangàna ary aoreno ny toerana masin'i Yaveh Andriamanitra. Ka afaka mitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh sy ireo zavatra izay an'Andriamanitra ao an-trano izay naorina ho an'ny anaran'i Yaveh ianareo."
Ireo dia olona izay nanangona vato lehibe ary nanapaka azy ireo ho amin'ny habe marina mba hahafahan'ny mpanorina mampiasa ireo vato amin'ny rindrina sy fanorenana.
"fanapaingorana" na "savily." Ireo dia zavatra izay mampifandray zavatra roa miaraka.
D.H: "noho izay azon'iza na iza lanjaina"
D.H: "tsy tambon'iza na iza isaina."
D.H: "Tranon'i Yaveh" na "ny trano izay haoriny ho an'i Yaveh."
"Niantso i Davida"
"nandidy ireo mpiasa mba hanorina ... ny drafitro dia ny hanakarama mpiasa hanorina."
"mba hanome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitro."
"efa namono olona maro ianao"
"Tsy hanorina tempoly hanomezam-boninahitra Ahy ianao."
"satria fantatro fa efa namono olona maro ianao."
Mbola mitohy miteny amin'i Salomona izay nolazain'i Yaveh taminy i Davida.
Izany dia midika hoe amin'ny toerana rehetra manodidina an'Israely.
"raha mitondra an'Israely izy"
D.H: "tempoly hanomezam-boninahitra ahy"
Andriamanitra dia hitondra an'i Solomona tahaka ny hoe tena zanak'Andriamanitra.
Eto ny "satroboninahitra" dia ilazana ny fahefana mba hitondra tahaka ny mpanjaka. D.H: "Hanao ny taranany hitondra eo amin'i Israely mandrakizay aho."
Mitohy miresaka amin'i Solomona i Davida
mampiasa io teny io i Davida mba hampahafantarany zavatra manan-danja izay efa lazainy.
D.H: "Hahomby amin'ny fitarihanan ny fanorenana anie ianao."
"rehefa manao anao ho mpanjakan'Israely izy."
Mitohy miresaka amin'i Solomona i Davida.
Io dia mampahafantatra zavatra manan-danja izay efa lazain'i Davida
Ny talenta dia mari-pandrefesan-danja. Mitovy amin'ny 33 kilao izany.
"1 000 000"
Mitohy miresaka amin'i Solomona i Davida.
Ireo dia samy mpiasa izay manapaka vato sy manomana izany ho an'ny mpanorina mba hampiasainy amin'ny rindrina sy ny fanorenana.
Ireo dia olona izay miasa amin'ny hazo.
"efa nanome fiadanana ho anareo tamin'ny ady amin'ny lafiny rehetra manodidina an'Israely."
"Efa nanome hery ho ahy tao amin'ny tsirairay izay monina manodidina antsika izy."
"Yaveh sy ny olony no manara-maso ny tanin'izy ireo."
io teny io dia manambara zavatra manan-danja izay efa tenenin'i Davida.
D.H: "andramo izay hahazoana an'Andriamanitra hihaino anareo"
"amin-kitsi-po" na "amin'ny fo manontolo"
D.H: "Mitsangàna ary tariho ireo mpiasa mba hanorenan'izy ireo ny toerana masina."
"ny tempoly izay aorinao hanomezam-boninahitra an'i Yaveh."
1 Rehefa antitra Davida ary akaiky hifarana ny andro iainany, dia nataony mpanjaka hanapaka an'Israely i Solomona zanany lahy. 2 Nangoniny niaraka ireo mpitarika ny Israely rehetra, niaraka tamin'ireo mpisorona sy ireo Levita. 3 Ireo Levita telo-polo taona no ho mihoatra no nisaina. Niisa valo arivo sy telo alina izy ireo. 4 "Amin'ireo, dia efatra arivo sy roa alina no niandraikitra ny asa tao an-tranon'i Yaveh, ary enina arivo ireo manam-boninahitra sy mpitsara. 5 Efatra arivo ny mpiandry vavahady, ary efatra arivo ny mpidera an'i Yaveh miaraka amin'ny fitaovana izay namboariko ho fanomezana fiderana," Hoy Davida. 6 Nozarainy ho vondrona izay mifanaraka amin'ireo zanaka lahin'i Levy izy ireo: Gersona, Kehata, ary Merary. 7 Avy amin'ireo foko taranak'i Gersona, no nisy an'i Ladana sy Simey. 8 Telo ny zanaka lahin'i Ladana: Jehiela ilay mpitarika, Zetama, ary Joela. 9 Telo ny zanaka lahin'i Simey: Selomota, Haziela, ary Harana. Ireo no mpitarika ireo fokon'i Ladana. 10 Efatra ny zanaka lahin'i Simey: Jahata, Ziza, Jeosy, ary Beria. 11 Jahata no zokiny indrindra, ary Ziza no faharoa, fa Jeosy sy Beria kosa tsy mba nanana zanaka lahy maro, ka dia natao ho foko iray mitovy asa izy ireo. 12 Efatra ny zanaka lahin'i Kehata: Amrama, Jizara, Hebrona, ary Oziela. 13 Ireto avy ny zanaka lahin'i Amrama: Arona sy Mosesy. Voasafidy ho mpanokana ireo zava-masina indrindra i Arona, ka izy sy ireo taranany no hanolotra ny ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Yaveh, hanompo Azy ary hanome tso-drano amin'ny anarany mandrakizay. 14 Fa raha ny amin'i Mosesy ilay lehilahin'Andriamanitra kosa, dia natao ho Levita ireo zanany lahy. 15 Ireo zanaka lahin'i Mosesy dia i Gersona sy Eliezera. 16 Ny taranak'i Gersona dia i Seboela ilay zokony indrindra. 17 Ny taranak'i Eliezera dia i Rehabia. Tsy nanan-janaka lahy hafa i Eliezera, kanefa Rehabia dia nanana taranaka maro. 18 Ny zanaka lahin'i Jizara dia i Selomita ilay mpitarika. 19 Ny taranak'i Hebrona dia i Jeria, zokiny indrindra, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no fahefatra. 20 Ireo zanaka lahin'i Oziela dia i Mika zokiny indrindra, ary Isiah no faharoa. 21 Ireo zanaka lahin'i Merary dia i Maly sy Mosy. Ireo zanaka lahin'i Maly dia i Eleazara sy Kisy. 22 Maty tsy mba nitera-dahy i Eleazara. Zanaka vavy ihany no nananany. Ireo zanaka lahin'i Kisy dia nanambady azy ireo. 23 Ireo zanak'i Mosy telo lahy dia i Maly, Edera, ary Jeremota. 24 Ireo no taranak'i Levy araka ny fokon'izy ireo. Izy ireo no mpitarika, voaisa ary voatanisa araka ny anaran'ny foko izay nanao ny asa fanompoana tao an-tranon'i Yaveh, manomboka eo amin'ny roapolo taona no ho miakatra. 25 Fa hoy Davida hoe: "Yaveh, Andriamanitr'Israely, dia efa nanome fitsaharana ho an'ny olony. Nataony ao Jerosalema mandrakizay ny tranony. 26 Tsy hitondra ny tabernakely sy ireo fitaovana fampiasa amin'ny fanompoana rehetra intsony ireo Levita." 27 Fa tamin'ny alalan'ny tenin'i Davida farany no nanisana ireo Levita, roapolo taona no ho miakatra. 28 Ny raharahan'izy ireo dia manatrika ireo taranak'i Arona amin'ny asa ao an-tranon'i Yaveh. Izy ireo dia mikarakara ireo kianja, ireo efitrano, ny fomba fanadiovana ireo zavatra rehetra izay an'i Yaveh, ary ny asa fanompoana hafa ao an-tranon'Andriamanitra. 29 Izy ireo ihany koa no mikarakara ny mofon'ny fanatrehana, ny koba tsara toto ho vary fanatitra, ny mofo manify tsy misy masirasira, fanatitra voahendy, fanatitra mifangaro diloilo, ary ny famarana ny habetsahana sy haben-javatra rehetra. 30 Nitsangana isa-maraina ihany koa izy ireo mba hisaotra sy hidera an'i Yaveh. Nataon'izy ireo ihany koa izany ny hariva 31 ary na oviana na oviana no manatitra fanatitra dorana ho an'i Yaveh, na amin'ny Sabata na amin'ny fankalazana ny voaloham-bolana sy amin'ny andro fanasana. Ny isa raikitra, izay voatendrin'ny didy, dia tsy maintsy aseho eo anatrehan'i Yaveh mandrakariva. 32 Izy ireo no nisahana ny trano lay fihaonana, ny toerana masina, ary nanampy ireo taranak'i Arona naman'izy ireo tamin'ny fanompoana tao an-tranon'i Yaveh.
Manondro an'i Solomona ho mpandimby azy i Davida ary nandrindra ireo mpisorona Levita sy ny mpikarakara ny asa an-tempoly
D.H: "Ireo lehilahin'i Davida sasany no nanisa ireo Levita 30 taona no ho mihoatra."
valo arivo - D.H: "Nisy 38 000 tao"
efatra arivo - D.H: "Amin'ireo Levita ireo, 24 000"
"Levita 6 000"
Ireo Levita ireo dia nihaino ny fandresen-dahatra ara-dalàna ary nitantana ny rariny mifanaraka amin'ny lalàn'i Mosesy.
"Levita 4 000"
Ireo Levita ireo dia niandry ny fidiran'ny tempoly ka tsy hisy tsy madio miditra.
"mifototra amin'ny" na "mifanaraka amin'ireo taranak'i"
Ireo no anaran'ny zanakalahin'i Levy.
Inty no lisitr'ireo Levita mifanaraka amin'ny fokon'izy ireo.
Inty no tohin'ny lisitr'ireo Levita mifanaraka amin'ny fokon'izy ireo.
D.H: "ka noraisin'i Davida ho foko iray ihany izy ireo"
Inty no tohin'ny lisitr'ireo Levita mifanaraka amin'ny fokon'izy ireo.
D.H: "Nanan-janaka lahy 4 i Kehata"
D.H: "Nisafidy an'i Arona ho mpitokana ireo zava-masina indrindra i Yaveh."
D.H: "hitso-drano ny olona ho solotenan'Andriamanitra mandrakizay"
D.H: "Anisan'ny fokon'ny Levita ireo zanany." Levita ireo zanak'i Mosesy.
Inty no tohin'ny lisitr'ireo Levita mifanaraka amin'ny fokon'izy ireo.
Inty no tohin'ny lisitr'ireo Levita mifanaraka amin'ny fokon'izy ireo.
Inty no tohin'ny lisitr'ireo Levita mifanaraka amin'ny fokon'izy ireo.
D.H: "Ireo no anaran'ny taranak'i Levy sy ireoo fianakaviany, izay nisain'ireo lehilahin'i Davida sy notanisainy. Izy ireo no mpitarika ire foko."
D.H: "manomboka eo amin'ny 20 taona no ho miakatra."
D.H: "sy ireo fitaovana fampiasa rehetra izay ilain'izy amin'ni asany."
D.H: "Fa tamin'ny didin'i Davida farany ho an'ireo lehilahiny no nanisana ireo Levita."
D.H: "izay 20 taona na mihoatra"
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy aoa amin'ny 9:30
vovon-javatra izay vitan'ny olona tamin'ny fikosoham-boa.
D.H: "fanatitra izay nafangaron'ny olona tamin'ny diloilo."
"Nitsangana ihany koa ireo Levita"
D.H: "na oviana na oviana ny mpisorona dia nanatitra fanatitra dorana ho an'i Yaveh."
ireo fialan-tsasatra ireo dia manamarika ny fiandohan'ny volana vaovao tsirairay avy.
D.H: "Izany no adidin'ny sasany tamin'ny Levita mba hiseho hanao fanatitra mandrakariva amin'i Yaveh."
1 Ny antokon'asa mifototra amin'ireo taranak'i Arona dia ireto avy: Nadaba, Abiho, Eleazara ary Itamara. 2 Nadaba sy Abiho dia maty talohan'ny nahafatesan'ny rain'izy ireo. Tsy nanan-janaka izy ireo, koa niasa tahaka ny mpisorona i Eleazara sy Itamara. 3 Davida, niaraka tamin'i Zadoka, taranak'i Eleazara, ary Ahimeleka, taranak'Itamara, dia nizarazara azy ireo ho antokony amin'ny asa maha-mpisorona azy ireo. 4 Teo amin'ireo taranak'i Eleazara dia nisy lehilahy mpitarika maro kokoa noho ny teo amin'ireo taranak' Itamara, ka nozarazarain'izy ireo ho antoko enina ambin'ny folo ireo taranak'i Eleazara. Nanao izany tamin'ny lohan'ny fianakaviambe sy tamin'ireo taranak' Itamara izy ireo. Valo ireo fizarazarana ireo raha isaina, izay mifandraika amin'ny fokon'izy ireo avy. 5 Nosarasarahan'izy ireo tamin'ny antsapaka izy ireo, satria nisy manam-boninahitra masina sy manam-boninahitr'Andriamanitra, avy amin'ireo taranak'i Eleazara sy ireo taranak'Itamara. 6 Semaia zanaka lahin'i Netanela mpanora-dalàna, Levita iray, dia nanoratra ny anaran'izy ireo teo amin'ny fanatrehan'ny mpanjaka, ireo manam-boninahitra, Zadoka mpisorona, Ahimeleka zanaka lahin'i Abiatara, ary ireo mpitariky ny fisoronana sy ireo fianakavian'ny Levita. Ny foko iray dia voasarika tamin'ny antsapaka avy tamin'ireo taranak'i Eleazara, ary ny manaraka dia ho sarihana avy amin'ireo taranak'Itamara. 7 Ny loka voalohany dia nankany amin'i Joariba, ny faharoa an'i Jedaia, 8 ny fahatelo an'i Harima, ny fahefatra an'i Seorima, 9 ny fahadimy an'i Malkia, ny fahenina an'i Miamina, 10 ny fahafito an'i Hakoza, ny fahavalo an'i Abia, 11 ny fahasivy an'i Jesoa, 12 ny fahafolo an'i Sekania, ny fahiraika ambin'ny folo an'i Eliasiba, ny faharoa ambin'ny folo an'i Jakima, 13 ny fahatelo ambin'ny folo an'i Hopa, ny fahefatra ambin'ny folo an'i Jesebaba, 14 ny fahadimy ambin'ny folo an'i Bilga, ny fahenina ambin'ny folo an'Imera, 15 ny fahafito ambin'ny folo an'i Hezira, ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hafizeza, 16 ny fahasivy ambin'ny folo an'i Petahia, ny faharoa-polo an'i Jehezekela, 17 ny fahiraika amby roa-polo an'i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an'i Gamola, 18 ny fahatelo amby roa-polo an'i Delaia, ary ny fahefatra amby roa-polo an'i Mazia, 19 Ireo no laharan'asan'izy ireo, rehefa tonga tao amin'ny tranon'i Yaveh izy ireo, manaraka ny fitsipika nomena azy ireo tamin'ny alalan'i Arona razamben'izy ireo, tahaka ny nampianarin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely azy. 20 Ireto no ambin'ireo Levy: tamin'ireo zanaka lahin'i Amrama, dia i Sobaela; tamin'ireo zanaka lahin'i Sobaela, dia i Jedala. 21 Ireo zanaka lahin'i Rehabia: tamin'ireo zanaka lahin'i Rehabia, dia i Jisia mpitarika. 22 Tamin'ireo Jizarita, dia i Selomota; tamin'ireo zanaka lahin'i Selomota, dia i Jahata. 23 Ireo zanaka lahin'i Hebrona: Jeria mpitarika, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameana no fahefatra. 24 Anisan'ny zanaky ny taranak'i Oziela i Mika. Anisan'ny taranak'i Mika i Samira. 25 Jisia no rahalahin'i Mika. Anisan'ny zanaka lahin'i Jisia i Zakaria. 26 Ireo zanaka lahin'i Merary: Maly sy Mosy. Ny zanaka lahin'i Jazia, dia i Beno. 27 Ireo zanaka lahin'i Merary: Jazia, Beno, Sohama, Zakora, ary Ibry. 28 Ny zanaka lahin'i Maly: Eleazara, izay tsy nanan-janaka lahy. 29 Ny zanaka lahin'i Kisy, ny zanaka lahin'i Kisy dia: Jeramela. 30 Ireo zanaka lahin'i Mosy: Maly, Edera, ary Jerimota. Ireo no Levita, voatanisa araka ny fianakavian'izy ireo avy. 31 Ireo lehilahy izay lohan'ny isam-pianakavian'ny rainy avy sy ireo faralahiny avy ireo, dia samy niloka teo anatrehan'i Davida Mpanjaka, sy Zadoka ary Ahimeleka, niaraka tamin'ireo loham-pianakavian'ireo mpisorona sy ireo Levita. Nanao antsapaka tahaka ny nataon'ireo taranak'i Arona izy ireo.
Jereo hoe ahoana no nandikanao ireo anarana ireo ao amin'ny 6:1
Izany no anaran'ny lehilahy.
"nizarazara ireo taranak'i Eleazara sy Itamara ho antokony."
"Davida, Zadoka, ary Ahimeleka nizara."
"antoko 16"
"Nisy fizarana 8 nifototra tamin'ny fokon'ny taranak'Itamara tao."
Izany no anaran'ny lehilahy
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 15:22
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 18:14
D.H: "Nisafidy iray tamin'ny alalan'ny antsapaka tamin'ny taranak'i Eleazara izy ireo, ary nisafidy iray tamin'ny alalan'ny antsapaka tamin'ny taranak'i Itamara izy ireo.
Inty ny laharan'ny asa izay nofidian'i Davida, Zadoka, sy Ahimeleka tamin'ny antsapaka ho ann'y taranak'i Eleazara sy Itamara.
Inty ny laharan'ny asa izay nofidian'i Davida, Zadoka, sy Ahimeleka tamin'ny antsapaka ho ann'y taranak'i Eleazara sy Itamara.
Inty ny laharan'ny asa izay nofidian'i Davida, Zadoka, sy Ahimeleka tamin'ny antsapaka ho ann'y taranak'i Eleazara sy Itamara.
D.H: "manaraka ny fitsipika izay nomen'i Arona razamben'izy ireo azy ireo."
Inty no manomboka ny lisitry ny anaran'ny zanak'i Levy hafa. Tapitra ao amin'ny 24:29 ity lisitra ity.
Jereo ho e ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 6:1
Jereo ho e ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 23:15
Jereo ho e ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 23:19
Jereo ho e ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 23:19
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 23:21
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 23:21
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 18:14
1 Davida sy ireo mpitarika ny asan'ny tabernakely dia nisafidy ny asan'ny sasany tamin'ireo zanaka lahin'i Asafa, Hermana, ary Jedotona. Ireo lehilahy ireo dia naminany tamin'ireo harpa, lokanga, ary kipantsona. Ireto avy ny lisitr'ireo olona izay nanao izany asa izany: 2 Avy amin'ireo zanaka lahin'i Asafa: Zakora, Josefa, Netania, ary Asarela, ireo zanaka lahin'i Asafa, teo ambany fitarihan'i Asafa, izay naminany teo ambany fanaraha-mason'ny mpanjaka. 3 Avy amin'ireo zanaka lahin'i Jedotoma: Gedalia, Zery, Jesaia, Simey, Hasabia, ary Matatia, enina ny fitambarany, teo ambany fifehezan'i Jedotoma rain'izy ireo, izay nitendry ny harpa mba hanomezana fisaorana sy hiderana an'i Yaveh. 4 Avy amin'ireo zanaka lahin'i Hermana: Bokia, Matania, Oziela, Seboela, ary Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty, Romamti-ezera, Josbekasa, Maloty, Hotira, ary Mazaiota. 5 Zanaka lahin'i Hemana mpaminanin'ny mpanjaka ireo rehetra ireo. Andriamanitra dia nanome zanaka lahy efatra ambin'ny folo sy zanaka vavy telo an'i Hemana mba hanomezana voninahitra azy. 6 Ireo rehetra ireo dia teo ambany fifehezan'ny rain'izy ireo. Mpitendry zava-maneno tao an-tranon'i Yaveh izy ireo, miaraka amin'ireo kipantsona sy ireo lokanga raha nanompo tao an-tranon'i Yaveh izy ireo. Asafa, Jedotona, ary Hermana dia teo ambany fanaraha-mason'ny mpanjaka. 7 Izy ireo sy ireo rahalahiny izay nanam-pahaizana sy nomanina mba hitendry mozika ho an'i Yaveh dia niisa 288. 8 Nanao antsapaka ho an'ireo andraikiny izy ireo, mitovy avokoa, toy izany koa ho an'ny tanora sy ny antitra, ny mpampianatra sy ny mpianatra. 9 Raha ny mahakasika an'ireo zanaka lahin'i Asafa: ny antsapaka voalohany dia azon'ny fianakavian'i Josefa; ny faharoa azon'ny fianakavian'i Gedali, olona miisa roa ambin'ny folo; 10 ny fahatelo azon'i Zakora, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 11 ny fahefatra azon'i Jizry, ireo zanany lahy sy ireo havany; olona roa ambin'ny folo; 12 ny fahadimy dia azon'i Netania, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 13 Ny fahenina dia azon'i Bokia, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 14 ny fahafito azon'i Jesarela, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 15 ny fahavalo dia azon'i Jesaia, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 16 ny fahasivy dia azon'i Matania, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 17 Ny fahafolo dia azon'i Simey, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 18 ny fahiraika ambin'ny folo dia azon'i Azarela, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 19 ny faharoa ambin'ny folo dia azon'i Hasabia, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 20 ny fahatelo ambin'ny folo dia azon'i Sobaela, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 21 Ny fahefatra ambin'ny folo dia azon'i Matitia, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 22 ny fahadimy ambin'ny folo dia azon'i Jemerota, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 23 ny fahenina ambin'ny folo dia azon'i Hanania, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 24 ny fahafito ambin'ny folo dia azon'i Josbekasa, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 25 Ny fahavalo ambin'ny folo dia azon'i Hanania, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 26 ny fahasivy ambin'ny folo dia azon'i Maloty, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 27 ny faharoa-polo dia azon'i Eliata, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 28 ny fahiraika amby roa-polo dia azon'i Hotira, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 29 Ny faharoa amby roa-polo dia azon'i Gidalty, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 30 ny fahatelo amby roa-polo dia azon'i Mahaziota, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo; 31 ny fahefatra amby roa-polo dia azon'i Romamti-ezera, ireo zanany lahy sy ireo havany, olona miisa roa ambin'ny folo.
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 13:7
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 16:40
Ireo no anaran'ny lehilahy.
"6 ny fitambarany"
Inty dia tohin'ny lisitry ny mpitarika ny asan'ny tabernakely nanomboka tao amin'ny 25:1
Ireo no anaran'ny lehilahy.
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 16:40
"zanaka lahy 14 sy zanaka vavy 3"
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 13:7
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 16:40
"nisy lehilahy valo amby valopolo sy roan-jato"
Manambara ireo faratampony izany.
Inty no manomboka ny lisitry ny antsapaka 24 izay natao mba hifidianana ny laharana izay hiasan'ny fianakaviana tsirairay. Ity lisitra ity dia mifarana ao amin'ny 24:29
Mampiseho ny laharana izay nahavoafidy ireo fianakaviana ity. D.H: "laharana 1... laharana 2... laharana 3... laharana 4... laharana 5" na mampiasa ny hoe "ny fiandohana" eo amin'ny "ny voalohany" ary "ny manaraka" ho an'izay rehetra manaraka eo.
Ho an'ny olona hafa rehetra eo amin'ny lisitra, dia mamaritra ny lahatsoratra fa nisy "olona roa ambin'ny folo teo amin'ny isa". Fa te hilaza izany, mety te hanampy io ianao amin'ny fanambarana momba an'i Josefa, tahaka ny nataon'ny UDB. D.H: "ny antsapaka voaloha dia nitontona tamin'ny fianakavian'i Josefa, olona roa ambin'ny folo ny isany."
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 25:1
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 25:1
"olona 12"
Io anarana io dia notononina ho Jeri ao amin'ny 25:1
Manohy ny lisitra izay nanomboka tao amin'ny 25:9 ity.
Mampiseho ny laharana izay nahavoafidy ireo fianakaviana ity. D.H: "laharana 6... laharana 7... laharana 8... laharana 9"
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 25:4
"olona 12"
Fanononana hafa ny hoe "Asarela" izany ao amin'ny 25:1
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 25:1
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 25:4
Manohy ny lisitra izay nanomboka tao amin'ny 25:9 ity.
Mampiseho ny laharana izay nahavoafidy ireo fianakaviana ity. D.H: "laharana 10... laharana 11... laharana 12... laharana 13"
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 25:1
"olona 12"
Fanononana hafa ny hoe "Oziela" izany ao amin'ny 25:4
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 25:1
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 25:4
Manohy ny lisitra izay nanomboka tao amin'ny 25:9 ity.
Mampiseho ny laharana izay nahavoafidy ireo fianakaviana ity. D.H: "laharana 14... laharana 15... laharana 16... laharana 17"
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 25:1
"olona 12"
Fanononana hafa ny hoe "Oziela" izany ao amin'ny 25:4
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 25:4
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 25:4
Manohy ny lisitra izay nanomboka tao amin'ny 25:9 ity.
iraika -Mampiseho ny laharana izay nahavoafidy ireo fianakaviana ity. D.H: "laharana 18... laharana 19... laharana 20... laharana 21"
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 25:4
"olona 12"
Fanononana hafa ny hoe "Oziela" izany ao amin'ny 25:4
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 25:4
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 25:4
Manohy ny lisitra izay nanomboka tao amin'ny 25:9 ity.
roa ... fahaefatra amby roapolo -Mampiseho ny laharana izay nahavoafidy ireo fianakaviana ity. "laharana 22... laharana 23... laharana 24"
Fanononana hafa ny hoe "Oziela" izany ao amin'ny 25:4
"olona 12"
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 25:4
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 25:4
1 Ireto avy ny fizaran'ireo mpiandry vavahady: Avy amin'ireo Koraïta, Meselemia zanaka lahin'i Kore, taranak'i Asafa. 2 Meselemia dia nanan-janaka lahy: Zakaria no lahimatoa, Jediaela no faharoa, Zebadia no fahatelo, Jatniela no fahefatra, 3 Elama no fahadimy, Johanana no fahenina, Elihoenay no fahafito. 4 Obed-edoma dia nanan-janaka lahy: Semaia no lahimatoa, Jozabada no faharoa, Joa no fahatelo, ary Sakara no fahefatra, ary Netanela no fahadimy, 5 Amiela no fahenina, Isakara no fahafito, Peoletahy no fahavalo, satria notahian'Andriamanitra i Obed-edoma. 6 Ary Semaia zanany dia niteraka lahy izay nanapaka teo amin'ny fianakavian'izy ireo; izy ireo dia lehilahy manana fahaiza-manao maro. 7 Ireo zanaka lahin'i Semaia dia: Otny, Rafaela, Obeda ary Elzabada. Ireo havany Eliho sy Semakia dia olona manana fahaiza-manao maro ihany koa. 8 Ireo rehetra ireo dia taranak'i Obed-edoma. Izy ireo sy ny zanaka lahin'izy ireo ary ireo havany dia olona mahavita manao ny adidiny any amin'ny tabernakely fanompoana. Nisy roa amby enim-polo tamin'izy ireo nifandraika tamin'i Obed-edoma. 9 Meselemia dia nanan-janaka lahy sy havana, olona manam-pahaizana, valo ambin'ny folo ny fitambarany. 10 Hosa, taranak'i Merary, dia nanan-janaka lahy: Simry no mpitarika (na dia tsy lahimatoa aza izy, dia nataon'ny rainy ho mpitarika), 11 Hilkia no faharoa, Tebalia no fahatelo, ary Zakaria no fahefatra. Ireo zanaka lahin'i Hosa sy ny havany akaiky rehetra dia telo ambin'ny folo ny isany. 12 Ireo fizaran'ireo mpiandry vavahady ireo, mifanaraka amin'ny mpitarika azy ireo, dia nanana andraikitra, tahaka ireo havany, mba hanompo ao an-tranon'i Yaveh. 13 Niloka izy ireo, na ny tanora na ny antitra, mifanaraka amin'ny fianakavian'izy ireo, ho an'ny isam-bavahady. 14 Rehefa natsipy ho an'ny vavahady atsinanana ny loka, dia latsaka tao amin'i Selemia izany. Dia nanipy ny loka ho an'i Zakaria zanany lahy izy ireo, izay mpanolo-tsaina hendry, ary ny lokany dia niseho ho an'ny vavahady avaratra. 15 Ny vavahady atsimo dia notendrena ho an'i Obed-edoma, ary ny trano fitehirizana no notendrena ho an'ireo zanany lahy. 16 Ny vavahady andrefana no notendrena ho an'i Sopima sy Hosa miaraka amin'ny vavahadin'ny Saleketa, amin'ny lalàna miakatra. Voapetraka ho an'ny isam-pianakaviana ireo fiambenana. 17 Tany atsinanana dia nisy Levita enina, ny tany avaratra efatra isan'andro, ny tany atsimo efatra isan'andro, ary lehilahy tsiroaroa anankiroa ny tany amin'ny trano fitehirizana. 18 Tao amin'ny fitsaràna andrefana dia nisy lahatsoratra efatra, efatra teny amin'ny lalana, ary roa tao amin'ny fitsaràna. 19 Ireo no fizaran'ireo mpiandry vavahady. Izy ireo dia fenon'ny taranak'i Kora sy Merary. 20 Eo amin'ny Levita, Ahia no nisahana ireo harena tao an-tranon'Andriamanitra, sy ny amin'ireo harena tao amin'ireo zavatra izay an'i Yaveh. 21 Ny taranak'i Ladana, tranaka avy amin'i Gersona avy tamin'ny alalany ary izay mpitarika ny fianakavian'i Ladana ilay Gersonita, dia i Jehielita sy ireo zanany lahy, 22 Zetama, sy Joela rahalahiny, izay nanara-maso ny trano fitehirizana ao an-tranon'i Yaveh. 23 Nisy mpiambina ihany koa voasarika tamin'ny fianakaviamben'i Armama, Jizara, Hebrona, ary Oziela. 24 Seboela zanaka lahin'i Gersona zanak'i Mosesy, no mpanara-maso eo amin'ny trano fitehirizana. 25 Ireo havany avy amin'ny fianakavimben'i Eliezera dia Rehabia zanany lahy, Jesaia zanaka lahin'i Rehabia, Jorama zanaka lahin'i Jesaia, Zikry zanaka lahin'i Jorama, ary Selomota zanaka lahin'i Zikry. 26 Selomota sy ny havany dia nisahana ny trano fitehirizana rehetra mitàna ireo zavatra izay an'i Yaveh, izay natokan'i Davida mpanjaka, ireo mpitarika ny fianakaviana, ny mpifehy ny arivo sy ny mpifehy ny zato, ary ireo mpifehy ny tafika. 27 Natokan'izy ireo izay azo babo tamin'ny ady ho fahafoizana ho an'ny tranon'i Yaveh. 28 Nisahana ny amin'ny zavatra rehetra izay natokan'i Samoela mpaminany, Saoly zanaka lahin'i Kisy, Abnera zanaka lahin'i Nera, ary Joaba zanaka lahin'i Zeroia ho an'i Yaveh ihany koa izy ireo. Ny zavatra rehetra izay voatokana ho an'i Yaveh dia teo ambany fiambenan'i Selomota sy ireo havany. 29 Ny avy amin'ny taranak'i Jizara, Kenania sy ireo zanany lahy no nisahana ny raharahan'olon-tsotra amin'Israely. Izy ireo dia manamboninahitra sy mpitsara. 30 Ny avy amin'ny taranak'i Hebrona, Hasabia sy ireo rahalahiny, dia lehilahy mahay 1. 700, no nisahana ny asan'i Yaveh sy ny asan'ny mpanjaka. Tany an-dafy andrefan'i Jordana izy ireo. 31 Avy amin'ny taranak'i Hebrona, Jeria no mpitarika tamin'ireo taranany, voaisa tamin'ny lisitr'ireo fianakaviany. Tamin'ny taona fahefa-polo nanjakan'i Davida no nandinihan'izy ireo ny firaketana an-tsoratra ary nahitany lehilahy mahay tao Jazera any Gileada teo amin'izy ireo. 32 Jeria dia nanana havana 2. 700, izay loham-pianakaviana mahay. Nataon'i Davida mpiandrakitra teo amin'ireo fokon'i Robena sy Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase, amin'ny zavatra rehetra mahakasika an'Andriamanitra, sy ny amin'ny raharahan'ny mpanjaka izy ireo.
Inty no manomboka ny lisitry ny mpiandry vavahady.
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 9:17
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 9:20
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 9:17
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 9:17
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 9:20
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
Mampiseho ny laharana izay nahaterahan'ireo zanaka ity. D.H: "laharana 2... laharana 3... laharana 4 ... laharana 7" na "ny manaraka" ho an'ny tsirairay avy.
Manohy ny lisitry ny mpiandry vavahady izay nanomboka tao amin'ny 26:1 ity.
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 16:37
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
Mampiseho ny laharana izay nahaterahan'ireo zanaka lahy ity. D.H: "laharana 2... laharana 3... laharana 4 ... laharana 5... laharana 6... laharana 7... laharana 8" na "ny manaraka" ho an'ny tsirairay avy.
Manohy ny lisitry ny mpiandry vavahady izay nanomboka tao amin'ny 26:1 ity.
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 26:4
"Ireo havan'i Semaia" na "isam-pianakavian'i Semaia"
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
roa amin'izy ireo - "lehilahy 62"
"18 ny fitambarany"
Manohy ny lisitry ny mpiandry vavahady izay nanomboka tao amin'ny 26:1 ity.
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
Mampiseho ny laharana izay nahaterahan'ireo zanaka lahy ity. D.H: "laharana 2... laharana 3... laharana 4" na "ny manaraka" ho an'ny tsirairay avy.
D.H: "Nisy 13 ireo zanaka lahin'i Hosa sy ny havany akaiky."
D.H: "ny olona tsirairay avy" na "ny olona amin'ny taona rehtra"
Fanononana hafa ny hoe "Meselemia" izany ao amin'ny 26:1.
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 26:1
D.H: "Rehefa nanipy ny loka izy ireo"
Olona izay mampiseho fitsarana marina amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra izany.
"Mpiandraikitra ny amin'ny fiambenana ny vavahady atsimo i Obed-edoma, ary ireo zanany lahy niandry ireo trano fitehirizana.
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 26:4
Izany no anaran'ny lehilahy.
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 26:10
Izany no anaran'ny vavahady.
D.H: "Tompon'andraikitra ny amin'ny fiambenana zavatra ny fianakaviana tsirairay avy."
"Levita 6"
"lehilahy 4 isan'andro"
"lehilahy 2 tsiroaroa" na "lehilahy 2 amin'ny fotoana iray"
D.H: "lehilahy 4 niandry ny fitsarana andrefana."
"lehilahy 4 niandry ny lalana, ary lehilahy roa niandry ny fitsarana."
D.H: "Izy ireo dia "
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 26:10.
"I Jehielita sy ireo zanany lahy no taranak'i Ladana, izay taranaka avy amin'i Gersona anisan'i Ladana. Jehieli sy ireo zanany lahy no mpitarika ny fianakavian'i ladana Geronita. Dia zanaka lahin'i Jehiela."
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 23:7.
Taranak'i Gersona.
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 23:7.
"izay mizaha"
"Nitsongo mpiambina tamin'ny fianakaviam-be ihany koa ireo mpitarika."
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 23:12.
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 23:15.
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
"mihoatra ny lehilahy 1 000 ary mihoatra ny lehilahy 100."
zavatra izay azon'ny tafika tany amin'ireo fahavalo taorian'ny fandreseny.
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
"Ny zavatra rehetra izay voatokan'ny mpitarika."
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 23:12.
Izany dia ilazana ny fandraharahan'ny vahoakan'Israely tsy tapaka, tsy mifandray amin'ny miaramila na amin'ny tempoly. D.H: "fandraharahan'ny vahoakan'Israely isan'andro."
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
"lehilahy mahay fitonjato sy arivo"
D.H: "asa vitan'Yaveh sy ny mpanjaka."
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 23:12.
Fomba hafa hanononana ny hoe "Jeria". Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 23:19.
D.H: "tao anaty lisitra ny anaran'izy ireo"
"Raha mbola mpanjaka nandritra ny 40 taona i Davida."
Izany no anaran'ny lehilahy.
"Singam-pianakaviana fitonjato sy roa arivo."
1 Ireto ny lisitry ny fianakaviamben'ireo mpitarika Israelita, ireo mpifehy ny arivo sy ny zato, mbamin'ireo manamboninahitry ny tafika izay nanompo ny mpanjaka tamin'ny fomba samihafa. Ny antoko miaramila tsirairay dia nanompo isam-bolana isam-bolana nandritry ny taona. Ny antoko tsirairay dia nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina avy. 2 Ny lohan'ny antoko tamin'ny volana voalohany dia i Jasobeama zanaka lahin'i Zabdiela. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony. 3 Isan'ireo taranak'i Fareza izy ary niandraikitra an'ireo manamboninahitry ny tafika rehetra nandritry ny volana voalohany. 4 Dodo no lohan'ny antoko tamin'ny volana faharoa, izay avy amin'ny foko taranak'i Ahoa. Miklota no teo amin'ny laharana faharoa. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony. 5 Ny mpifehy ny tafika tamin'ny volana fahatelo dia i Benaia zanaka lahin'i Joiada, mpisorona sy mpitarika. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony. 6 Io ilay Benaia izay mpitarika ireo telo-polo, sady lohan'ireo telo-polo. Tao amin'ny antokony i Amizabada zanany lahy. 7 Asahela rahalahin'i Joaba no mpifehy tamin'ny volana fahefatra. Zebadia zanany lahy no tonga mpifehy nandimby azy. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony. 8 Samihota no mpifehy tamin'ny volana fahadimy, izay taranaka Jizarita. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony. 9 Ira zanaka lahin'Ikesy, avy any Tekoa no mpifehy tamin'ny volana fahenina. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony. 10 Heleza Pelonita, avy amin'ireo vahoakan'i Efraima no mpifehy tamin'ny volana fahafito. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony. 11 Sibekay ilay Hosatita, avy amin'ny foko taranak'i Zera no mpifehy tamin'ny volana fahavalo. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony. 12 Abiezera ilay Anatotita, avy amin'ny fokon'i Benjamina no mpifehy tamin'ny volana fahasivy. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony. 13 Maharay avy any amin'ny tanànan'i Netofata, avy amin'ny foko taranak'i Zera no mpifehy tamin'ny volana fahafolo. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony. 14 Benaia avy any amin'ny tanànan'i Piratona, avy amin'ny fokon'i Efraima no mpifehy tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony. 15 Helday avy ao amin'ny tanànan'i Netofata, avy amin'ny foko taranak'i Otniela no mpifehy tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo. Nisy lehilahy efatra arivo sy roa alina tao amin'ny antokony. 16 Ireto avy ireo mpitarika ny fokon'Israely: Ho an'ny fokon'i Robena, dia Eliezera zanaka lahin'i Zikry no mpitarika. Ho an'ny fokon'i Simeona, dia Sefatia zanaka lahin'i Maka no mpitarika. 17 Ho an'ny fokon'i Levy, dia Hasabia zanaka lahin'i Kemoela no mpitarika, ary Zadoka no nitarika ireo taranak'i Arona. 18 Ho an'ny fokon'i Joda, dia Eliho, iray amin'ireo rahalahin'i Davida no mpitarika. Ho an'ny fokon'Isakara, dia Omry zanaka lahin'i Mikaela no mpitarika. 19 Ho an'ny fokon'i Zebolona, dia Jismala zanaka lahin'i Obadia no mpitarika. Ho an'ny fokon'i Naftaly, dia Jerimota zanaka lahin'i Azriela no mpitarika. 20 Ho an'ny fokon'i Efraima, dia Hosea zanaka lahin'i Azazia no mpitarika. Ho an'ny antsasaky ny fokon'i Manase, dia Joela zanaka lahin'i Pedaia no mpitarika. 21 Ho an'ny antsasaky ny fokon'i Manase tao Gileada, dia Ido zanaka lahin'i Zakaria no mpitarika. Ho an'ny fokon'i Benjamina, dia Jasiela zanaka lahin'i Abniera no mpitarika. 22 Ho an'ny fokon'i Dana, dia Azarela zanaka lahin'i Jehorama no mpitarika. Ireo no mpitarika ny fokon'Israely. 23 Tsy nanisa ireo roa-polo taona na ambanin'izany i Davida, satria nampanantena ny hanamaro an'Israely tahaka ireo kintan'ny lanitra i Yaveh. 24 Nanomboka nanisa ireo olona i Joaba, saingy tsy nahavita. Noho izany dia nianjera teo amin'Israely ny fahavinirana. Tsy voasoratra ao amin'ny Tantaran'i Davida Mpanjaka io tarehimarika io. 25 Azmaveta zanaka lahin'i Adiela no niandraikitra ny rakitry ny mpanjaka. Jonatana zanaka lahin'i Ozia no nisahana ny fitehirizana tany an-tsaha, tany amin'ireo tanàn-dehibe, sy tany amin'ireo zana-bohitra, ary tany amin'ireo tilikambo voaaro. 26 Ezry zanaka lahin'i Keloba no nisahana an'ireo tantsaha, ireo izay niasa ny tany. 27 Simey avy any Rama no nisahana ireo tanim-boaloboka, ary Zebdy avy any Sifama no nisahana ireo voaloboka sy ny lakaly fitehirizan-divay. 28 Bala-hanana avy any Gadera no nisahana ireo hazo oliva sy ireo hazon'amontana tany amin'ireo tany lemaka, ary Joasy no nisahana ireo trano fitehiriza-menaka. 29 Sitray avy any Saràna no nisahana ireo biby fiompy izay nihinam-bilona tany Saràna, ary Safata zanaka lahin'i Adlay no nisahana ireo biby fiompy izay tany amin'ireo lohasaha. 30 Obila ilay Ismaelita no nisahana an'ireo rameva, ary Jedda avy any Meronota no nisahana an'ireo boriky vavy. Jaziza Hagarita no nisahana an'ireo ondry aman'osy. 31 Ireo rehetra ireo dia mpiandraikitra ny fananan'i Davida Mpanjaka avokoa. 32 Mpanolotsaina i Jonatana, rahalahin-drain'i Davida, satria hendry no sady mpanora-dalàna izy. Jehiela zanaka lahin'i Hakmony no niahy ireo zanaky ny mpanjaka. 33 Ahitofela no mpanolotsain'ny mpanjaka, ary Hosay avy amin'ireo vahoaka Arkita no mpanolotsaina manokan'ny mpanjaka. 34 Noraisin'i Joiada zanaka lahin'i Benaia, sy Abiatara ny toeran'i Ahitofela. Joaba no mpifehy ny tafiky ny mpanjaka.
D.H "Ireto ireo anarana"
"tamin'ny fomba hafa" na "tamin'ny fomba maro"
"Ny vondrona tsirairay"
lehilay efatra alina - "lehilahy 24 000"
D.H: "ny taona manontolo"
Io no volana voalohan'ny tetiandro Hebrio. Mandritry ny tapany farany amin'ny Marsa sy ny tapany voalohany amin'ny Aprily izany amin'ny tetiandro Tandrefana.
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
"ireo mpitarika"
Io no volana faharoan'ny tetiandro Hebrio. Mandritry ny tapany farany amin'ny Aprily sy tapany voalohan'ny May izany any amin'ny tetiandro Tandrefana.
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
"Ao amin'ireo vondron'ny miaramilany" na "ao amin'ireo vondron'ireo mpiantafiny"
lehilahy efatra arivo- "lehilahy 24 000"
Io no volana fahatelon'ny tetiandro Hebrio. Mandritry ny tapany farany amin'ny May sy tapany voalohan'ny Jona izany any amin'ny tetiandro Tandrefana.
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 11:10.
"Asahela, rahalahin'i Joaba, no mpifehy ny volana fahefatra."
Io no volana fahefatry ny tetiandro Hebrio. Mandritry ny tapany farany amin'ny Jona sy tapany voalohan'ny Jolay izany any amin'ny tetiandro Tandrefana.
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
"ny vondron'ny miaramilany"
lehilahy efatra arivo- "lehilahy 24 000"
Io no volana fahadimin'ny tetiandro Hebrio. Mandritry ny tapany farany amin'ny Jolay sy tapany voalohan'ny Aogositra izany any amin'ny tetiandro Tandrefana.
Io no volana fahaenin'ny tetiandro Hebrio. Mandritry ny tapany farany amin'ny Aogositra sy tapany voalohan'ny Septambra izany any amin'ny tetiandro Tandrefana.
Izany no anaran'ilay toerana.
"Heleza, ilay Pelonita, avy amin'ny vahoakan'i Efraima, no mpifehy tamin'ny volana fahafito."
Io no volana fahafiton'ny tetiandro Hebrio. Mandritry ny tapany farany amin'ny Septambra sy tapany voalohan'ny Oktobra izany any amin'ny tetiandro Tandrefana.
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
Ireo no anaran'ny foko na fianakaviam-be.
lehilahy efatra arivo - "lehilahy 24 000"
Io no volana fahafiton'ny tetiandro Hebrio. Mandritry ny tapany farany amin'ny Oktobra sy tapany voalohan'ny Novambra izany any amin'ny tetiandro Tandrefana.
Io no volana fahafiton'ny tetiandro Hebrio. Mandritry ny tapany farany amin'ny Novambra sy tapany voalohan'ny Desambra izany any amin'ny tetiandro Tandrefana.
Io no volana fahafolon'ny tetiandro Hebreo. Mandritry ny tapany farany amin'ny Desambra sy tapany voalohan'ny Janoary izany any amin'ny tetiandro Tandrefana.
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
Anarana toerana ireo.
lehilahy efatra arivo - "lehilahy 24 000"
Io no volana fahairaika ambin'ny folon'ny tetiandro Hebreo. Mandritry ny tapany farany amin'ny Janoary sy tapany voalohan'ny Febroary izany any amin'ny tetiandro Tandrefana.
Io no volana fahairaika ambin'ny folon'ny tetiandro Hebreo. Mandritry ny tapany farany amin'ny Febroary sy tapany voalohan'ny Martsa izany any amin'ny tetiandro Tandrefana.
Anaran'ireo lehilahy ireo.
Anaran'ireo lehilahy ireo.
"olona 20 taona no ho midina"
"hampitombo ny mponin'Israely."
Ny isan'ny vahoakan'i Israely dia noharina tamin'ny isan'ny kintana mba hanehoana fa maro tokoa izany.
D.H: "Nanasazy ny vahoakan'Israely Andriamanitra"
D.H:" Tsy nisy na iza na iza nanoratra io tarehimarika io"
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
"niandraikitra ny fiambenana"
"tilikambo mahery"
Izany dia midika hoe nabosesika avy any na nasaraka ny loto talohan'ny fambolena.
Izany no anaran'ilay toerana.
Ireo no faritry ny trano izay any ambanin'ny tany ary natao hitehirizana divay.
Karazan-kazo izany.
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
Ireo no anaran'ireo toerana.
"izay nihinan'ahitra teny an-tsaha."
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
Ireo no anaran'ireo foko na fianakaviam-be.
Anaran-toerana izany.
"Ireo lehilahy ireo"
Ireo no anaran'ireo lehilahy.
Io no anaran'ny foko na fianakaviam-be.
1 Novorian'i Davida ireo manam-boninahitry ny Israely rehetra tao Jerosalema: ireo manam-boninahitr'ireo foko, ireo manam-pahefan'ireo antoko izay nanompo ny mpanjaka tamin'ny asan'izy ireo voalahatra, ireo mpifehy an'arivo sy mpifehy an-jato, ireo mpitantana ny harena sy fananan'ny mpanjaka sy ny an'ireo zanany lahy rehetra, ary ireo manam-pahefana sy ireo lehilahy mpiady, anisan'izany ny mahay indrindra amin'izy ireo. 2 Dia nitsangana Davida mpanjaka ary nanao hoe: "Henoy aho, ry rahalahiko sy vahoakako. Fikasako ny hanamboatra tempoly ho an'ny fiaran'ny faneken'i Yaveh; fitoeran-tongotra ho an'Andriamanitsika, ary efa nanao fanomanana hanorenana izany aho. 3 Nefa hoy Andriamanitra tamiko hoe: 'Tsy hanamboatra tempoly ho an'ny anarako ianao, satria lehilahin'ady ianao ary efa nandatsa-drà.' 4 Ary Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, efa nifidy ahy tamin'ny fianakavian-draiko rehetra ho mpanjaka eo amin'Israely mandrakizay. Efa nifidy ny fokon'i Joda ho mpitarika Izy. Nifidy ahy ho mpanjaka eo amin'ny Israely rehetra tao amin'ny fokon'i Joda, ary tao amin'ny ankohonan-draiko, avy tamin'ny zanaka lahin-draiko rehetra Izy. 5 Avy amin'ireo zanaka lahy maro nomen'i Yaveh ahy, no nisafidianany an'i Solomona, zanako lahy, mba hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakan'i Yaveh, eo amin'Israely. 6 Hoy Izy tamiko hoe: 'Hanamboatra ny tranoko sy ireo kianjako i Solomona zanakao lahy, satria efa nifidy azy ho zanako Aho, ary ho rainy Aho. 7 Hametraka ny fanjakany mandrakizay Aho, raha mitoetra mankatoa ireo didiko sy lalàko, tahaka anao amin'izao izy.' 8 Ary ankehitriny, eo imason'Israely rehetra, ity fiangonana ho an'i Yaveh ity, sy eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitsika, dia tandremonareo rehetra ary tano ireo didin'i Yaveh Andriamanitrareo rehetra. Ataovy izany mba hanananareo izany tany soa izany ka hametraka izany ho lovan'ireo zanakareo mandimby anareo mandrakizay. 9 Ary ny aminao, ry Solomona zanako, ankatoavy ny Andriamanitry ny rainao, ary manompoa Azy amin'ny fonao manontolo sy fanahy mazoto. Ataovy izany satria Yaveh mitady ny fo rehetra ary mahatakatra ny fahazotoan'ny eritreritry ny olona rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia ho hitanao Izy, nefa raha mandao Azy ianao, dia hanary anao mandrakizay Izy. 10 Fantaro fa i Yaveh efa nifidy anao mba hanamboatra izany tempoly izany ho fitoerany masina. Mahatanjaha ka ataovy izany." 11 Dia nomen'i Davida an'i Solomona zanany ny sarin'ny fidiran'ny tempoly, ny fananganana ny tempoly, ireo trano fitehirizana, ireo efitra farany ambony, ireo efitra anatiny, ary ny efitra misy ny rakotra fanavotana. 12 Nomeny azy ireo rafitra nataony sary ho an'ireo kianjan'ny tranon'i Yaveh, ireo efitra manodidina rehetra, ireo trano fitehirizana ao an-tranon'Andriamanitra, ary ireo fitehirizan-drakitra ho an'ireo zavatra izay an'i Yaveh. 13 Nanome azy ireo fitsipika ho an'ireo fizaran'ireo mpisorona sy ireo Levita, ho an'ireo andraikitra voatendry ho an'ny fanompoana ao amin'ny tranon'i Yaveh, ary ho an'ireo zavatra rehetra ho an'ny fanompoana ao an-tranon'i Yaveh izy. 14 Nomeny azy ny lanjan'ny fanaka volamena rehetra ho an'ny fanompoana isan-karazany rehetra ary ny fanaka volafotsy rehetra, ho an'ny zavatra rehetra ho an'ny karazam-panompoana rehetra. 15 Ireo antsipirihany ireo dia nomena tamin'ny lanja, anisan'izany ny antsipirihan'ireo fanaovan-jiro volamena sy ireo jiro volamena, ny antsipirihan'ny lanja ho an'ny fanaovan-jiro rehetra, ho an'ireo jiro, ho an'ireo fanaovan-jiro volafotsy, ary ny antsipirihany ho an'ny fampiasana manokana ny fanaovan-jiro rehetra. 16 Nomeny ho an'ireo latabatry ny mofon'ny fanatrehana, ho an'ny latabatra rehetra ny lanjan'ny volamena, ary ny lanjan'ny volafotsy ho an'ireo latabatra volafotsy. 17 Nomeny ho an'ireo sotro fihinanan-kena, ireo koveta, ary ireo kapoaka ny lanjan'ny volamena tsy mifangaro. Nomeny ny lanjan'ny lovia volamena tsirairay, ary ny lanjan'ny lovia volafotsy tsirairay. 18 Nomeny ho an'ny alitara fandorana ditin-kazo manitra ny lanjan'ny volamena voadio, ary ny an'ny volamena ho an'ny sarin'ny kerobima izay mamelatra ireo elany ka manarona ny fiaran'ny faneken'i Yaveh. 19 Hoy Davida hoe: "Efa nataoko an-tsoratra izany rehetra izany araka ny nanoroan'i Yaveh ahy sy nampahazoany ahy momba ny sary." 20 Hoy Davida tamin'i Solomona zanany hoe: "Mahatanjaha ary manàna herim-po. Ataovy ny asa. Aza matahotra na miahiahy, fa Yaveh Andriamanitra, Andriamanitro, dia momba anao. Tsy hamela anao Izy na handao anao mandra-pahavitan'ny asa rehetra ho an'ny fanompoana ao amin'ny tempolin'i Yaveh. 21 Indro, ireto ireo fizaran'ireo mpisorona sy ireo Levita ho an'ny fanompoana rehetra ao an-tempolin' Andriamanitra. Hiaraka aminao izy ireo, miaraka amin'ny lehilahy manam-piniavana sy tena mahay avokoa, mba hanampy anao amin'ny asa sy hanatanteraka ny fanompoana. Ireo manam-boninahitra sy ny vahoaka rehetra dia vonona ny hanaraka ireo baikonao."
Jereo no nanadikanao azy ao amin'ny 24:4
Asa izay mila atao miverimberina, ohatra hoe isan'andro na isam-bolana.
"1 000 sy 100"
Ireo teny roa ireo dia mizara hevitra mitovy ary ilazana ireo zavatra rehetra sy ireo tany izay nananan'ny mpanjaka.
D.H: "nijoro"
ireo andian-teny roa ireo dia mizara hevitra mitovy ary mampisongadina fa i Davida sy ireo vahoakan'Israely dia mpinakavy.
Ny andian-teny faharoa dia mamaritra ny andian-teny voalohany. Matetika i Yaveh dia milaza ny "fiaran'ny fanekena" ho "fitoeran-tongony".
D.H: "tempoly ho ahy"
Na ny fanoritsoritana aza dia mampisongadina zavatra mitovy ihany.
D.H: "namono olona" (UDB)
Mitohy miresaka amin'ireo Israelita i Davida.
Ny mety ho heviny dia 1) I Davida sy ireo taranany dia hanapaka an'Israely mandrakizay na 2) Hitohy ny ho mpanjakan'Israely i Davida aorian'ny fitsanganany amin'ny maty.
D.H: "ny tanin'israely manontolo" na "ireo Israelita rehetra"
D.H: "hanjaka amin'ny" na "ho mpanjakan'ny"
D.H: "Israely, izay fanjakan'Andriamanitra ankehitriny."
Mitohy miresaka amin'ireo Israelita i Davida.
D.H: "Niteny tamiko Andriamanitra"
Ny teny hoe "trano" dia milaza ny tempolin'i Yaveh.
Tsy midika izany akory hoe lasa tena zanak'Andriamanitra i Solomona, fa mamaritra ny fifandraisana manokana izay nananan'izy sy Andriamanitra izany. D.H: "Nifidy ny hitondra azy tahaka ny zanaka Aho, ary ho tahaka ny ray ho azy Aho."
Ireo andian-teny roa ireo dia midika ifotony zavatra mitovy ary milaza ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh.
Ny teny hoe "anao" eto dia ilazana an'i Davida. D.H: "tahaka anao nanolo-tena amin'izao."
Mitohy miresaka amin'ireo Israelita i Davida.
Manondro an'i Davida manomboka dinana vaovao amin'ny kabariny izany.
Io andan-teny hoe "tano" io dia midika ifotony ny hevitra mitovy amin'ny hoe "tandremo". Ireo teny ireo miaraka dia mampisongadina ny maha-zava-dehiben'ny fanaovana izay andidian'Andriamanitra.
D.H: "Ireo zanakareo izay haka ny toeranareo aorian'ny fahafatesanareo."
Miantso ny tenany i Davida hoe "rainao" satria izany no fotoana mendrika indrindra. D.H: "Andriamanitro"
D.H: "tanteraka"
D.H: "an-tsitrapo"
Ireo andian-teny roa ireo dia midika ifotony zavatra mitovy ary mampisongadina fa i Yaveh dia mahalala ny fisainana sy ny anton'ny olona tsirairay.
D.H: "Raha manandrana ny hahazo an'i Yaveh ianao mba hihainoany anao, dia hanao izany Izy"
"Jereo anio" D.H: "Tsarovy" na "mahafantara"
Ny teny hoe "matanjaka" eto dia milaza ny sitra-po sy ny herin-tsaina.
"lavarangana fidiran'ny tempoly" na "fidiran'ny tempoly". Izany dia ilazana ny andry izay manohana ny tafo eo amin'ny fidiran'ny tempoly.
trano fitehirizana zava-tsarobidy.
Ireo dia fitsipika manokana momba ny hoe ahoana no tokony hiasan'ireo mpisorona sy ireo Levita ao amin'ny tempoly.
Izany dia ilazana ireo vondrona izay narindran'ireo mpisorona sy ireo mpiasan'ny tempoly hafa mba hanaovany ireo adidin'izy ireo. Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 24:1
D.H: "volamena tsy mifangaro" na "volamena tena sarobidy tokoa"
D.H: "Efa noraketiko an-tsoratra avokoa."
D.H: "nanampy ahy hahazo ny antsipirihan'ny"
Ireo teny roa ireo dia midika ifotony zavatra mitovy ary manasongadina fa tsy maintsy mahery fo i Solomona.
Ireo teny roa ireo dia midika ifotony zavatra mitovy ary manasongadina fa tsy mahazo milavo lefona i Solomona. D.H: "Mahereza" na "matokia".
D.H: "hanampy anao"
Ireo teny roa ireo dia midika ifotony zavatra mitovy ary manasongadina fa i Yaveh dia hiaraka amin'i Solomona mandrakariva.
Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 28:13
1 Hoy Davida Mpanjaka tamin'ny fiangonana manontolo hoe: "Solomona zanako lahy, izay hany nofidian'Andriamanitra, dia mbola tanora sy tsy manana traikefa, nefa goavana ny asa. Fa ny tempoly dia tsy ho an'ny vahoaka fa ho an'i Yaveh Andriamanitra. 2 Ka dia efa nanao izay fara heriko aho mba hamatsiana ny tempolin'ny Andriamanitro. Hanome volamena aho ho an'izay zavatra vitaina amin'ny volamena, volafotsy ho an'izay zavatra vitaina amin'ny volafotsy, varahina ho an'izay zavatra vitaina amin'ny varahina, vy ho an'izay zavatra vitaina amin'ny vy, ary hazo ho an'izay zavatra vitaina amin'ny hazo. Hanolotra vato beryla ihany koa aho, vato hahorina, vato ho an'ny asa voarafitra maro loko—karazana vato sarobidy rehetra—ary marmora fotsy maro be. 3 Indro, nohon'ny fankasitrahako ny ao tranon'ny Andriamanitro, dia homeko ho an'izany ny volamena sy ny volafotsy sarobidy fananako. Ataoko izao ho fanampin'izay rehetra efa nomaniko ho an'ity tempoly masina ity: 4 talenta volamena avy any Ofira telo arivo, sy talenta volafotsy voadio fito arivo, mba hametrahana ireo rindrin'ireo fanorenana. 5 Hanome volamena ho an'ny zavatra ho vitaina amin'ny volamena aho, sy volafotsy ho an'ny zavatra ho vitaina amin'ny volafotsy, ary ireo zavatra ho an'ny karazan'asa rehetra izay ataon'ireo mpanao asa tanana. Iza ihany koa no te- handray anjara ho an'i Yaveh androany ary hanolo-tena ho Azy?" 6 Ary ireo fanatitra an-tsitrapo dia nataon'ireo mpitarika ny fianakavian'ny razamben'izy ireo, ireo mpitarik'ireo fokon'Israely, ireo mpifehy ireo an'arivony sy an-jatony, ary ireo manamboninahitra eo amin'ny asan'ny mpanjaka. 7 Nanome talenta dimy arivo sy darika volamena iray alina, talenta volafotsy iray alina, talenta varahina valo arivo sy iray alina, ary talenta vy 100. 000 ho an'ny asan'ny tranon'Andriamanitra izy ireo. 8 Ireo izay nanana vato sarobidy dia nanome izany tao amin'ny fitoeran-drakitry ny tranon'i Yaveh, teo ambany fanaraha-mason'i Jehiela, taranak'i Gersona. 9 Niravoravo ny vahoaka noho ireo fanatitra an-tsitrapo ireo, satria nandray anjara tamin'ny fony manontolo ho an'i Yaveh izy ireo. Faly dia faly ihany koa i Davida Mpanjaka. 10 Nisaotra an'i Yaveh teo anatrehan'ny fiangonana rehetra i Davida. Hoy izy hoe: "Ho deraina anie Ianao, ry Yaveh, Andriamanitry ny Israely razambenay, mandrakizay doria. 11 Anao, ry Yaveh, ny fahalebiazana, ny fahefana, ny voninahitra, ny fandresena, ary ny famirapiratana. Fa izay rehetra eny amin'ny lanitra sy eo ambonin'ny tany dia Anao. Anao ny fanjakana, ry Yaveh, asandratra ho mpanapaka eo amin'ny zava-drehetra Ianao. 12 Ny harena sy ny voninahitra dia samy avy aminao, ary manapaka amin'ny olona rehetra Ianao. Eo an-tananao ny fahefana sy ny hery. Hanananao ny tanjaka sy ny hery mba hahalehibe ny olona sy hanome tanjaka ny olona na iza na iza. 13 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray, dia misaotra Anao sy midera ny anaranao be voninahitra izahay. 14 Fa iza moa aho, ary iza ireo vahoakako, no tokony ho afaka hanolotra ireo zavatra ireo an-tsitrapo? Eny tokoa, ny zava-drehetra dia avy aminao, ka dia naverinay taminao tsotr'izao izay anao. 15 Fa vahiny sy mpandalo tahaka ireo razambenay rehetra izahay, eo anatrehanao. Ny andronay eto an-tany dia tahaka ny aloka, ary tsy misy fanantenana ny amin'ny fijanonana eto an-tany. 16 Ry Yaveh Andriamanitray, ireo harena rehetra ireo izay voahangonay mba hananganana tempoly hanomezam-boninahitra ny anaranao masina— dia avy aminao ary Anao. 17 Fantatro ihany koa, ry Andriamanitro, fa mandinika ny fo sy mankasitraka ny fahitsiana Ianao. Raha ny amiko, tamin'ny fahitsim-poko no efa nanolorako an-tsitrapo ireo zavatra rehetra ireo, ary ankehitriny mijery am-piravoravoana ireo vahoakanao izay manatrika an-tsitrapo eto manolotra fanomezana ho Anao aho. 18 Ry Yaveh, ilay Andriamanitr'i Abrahama, Isaka, ary Israely— razambenay—raketo mandrakizay ao an-tsaina aman'eritreritr'ireo vahoakanao izany. Tariho ny fon'izy ireo hitodika aminao 19 Omeo an'i Solomona zanako lahy ny fo feno faniriana hitandrina ireo didinao, ireo lalàn'ny fanekenao, ary ireo lalànao, mba hanatanterahana ireo fikasana rehetra ny amin'ny fananganana ny lapa izay efa novatsiako." 20 Hoy Davida tamin'ny fiangonana rehetra hoe: "Ankehitriny misaora an'i Yaveh Andriamanitrareo." Ny fiangonana rehetra, nisaotra an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo, nanondrika ny lohany ka nanompo an'i Yaveh ary niankohoka teo anoloan'ny mpanjaka. 21 Ny ampitso, dia nanao sorona ho an'i Yaveh sy nanolotra fanatitra dorana ho Azy izy ireo. Nanolotra omby arivo, ondry lahy arivo, ary zanak'ondry arivo, niaraka tamin'ny fanatitra sotroina sy sorona be dia be ho an'Israely rehetra izy ireo. 22 Tamin'izany andro izany, dia nihinana sy nisotro teo anatrehan'i Yaveh tamin'ny fankalazana lehibe izy ireo. Nataon'izy ireo mpanjaka fanindroany indray i Solomona, zanak'i Davida, ary nanosotra azy ho mpanapaka tamin'ny alalan'ny fahefan'i Yaveh. Nanosotra an'i Zadoka ho mpisorona ihany koa izy ireo. 23 Ary Solomona nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'i Yaveh ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy. Nambinina izy, ary ny Israely rehetra nankatoa azy. 24 Ireo mpitarika rehetra, miaramila, ary ireo zanaka lahin'i Davida dia nanome fankatoavana an'i Solomona Mpanjaka. 25 Nomen'i Yaveh voninahitra tamim-palehibiazana teo anatrehan'Israely rehetra i Solomona ary nomeny fahefana lehibe noho izay efa nomeny an'ireo mpanjaka teo alohany tao Israely. 26 Nanjaka teo amin'Israely rehetra i Davida zanaka lahin'i Jese. 27 Mpanjakan'Israely nandritry ny efa-polo taona i Davida. Nanapaka an'i Hebrona nandritry ny fito taona ary Jerosalema nandritry ny telo amby telopolo taona izy. 28 Maty izy rehefa tratra antitra tsara, rehefa niaina andro lava, tamin'ny harena sy voninahitra. Nandimby azy i Solomona zanany. 29 Voasoratra ao amin'ny bokin'i Samoela mpaminany, ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany, ary ao amin'ny bokin'i Gada mpaminany ireo zava-bitan'i Davida Mpanjaka. 30 Voarakitra ao ireo asan'ny fanapahany, ireo zava-bitany sy ireo zava-niseho izay nahakasika azy, Israely, ary ireo fanjakan'ny tany hafa rehetra.
Vato misy tsipika mainty sy fotsy ireo mba hanamboarana firavaka.
Izany dia ilazana ny famolavolana na modely tsara tarehy namboarina tamin'ny vato.
Mitohy miteny amin'ny vahoaka momba ny famatsiany ho an'ny fanorenana ny temploy i Davida.
"talenta 3 000"
Volamena manana kalitao tsara indrindra sy sanda ambony indrindra.
Toerana nitehirizam-bola sy zavatra sarobidy.
Anaran-dehilahy izany.
Izany no lahimatoan'i Levy.
an-tsitrapo ary tsy misy fanamelohana na fisalasalana.
D.H: "Hoderaina anie Ianao, ry Yaveh rainay, Andriamanitr'Israely, mandrakizay mandrakizay."
Manohy ny vavam-piderany an'i Yaveh i Davida.
Ny teny hoe "fahefana" sy "hery" dia midika zavatra mitovy ary mampisongadina ny halehibeazan'ny herin'i Yaveh.
Manohy ny vavam-piderany an'i Yaveh i Davida.
Manambara i Davida fa izy sy ny vahoakany dia tsy mendrika ny fiderana amin'ny fanomezana na inona na inona an'Andriamanitra.
D.H: "Fantatrao fa tsy misy dikany izahay"
Ny aloka dia mipoitra ary manjavona vetivety.
"satria te ho marina sy hanam-boninahitra amin'ny zavatra rehetra ataoko ho Anao aho.
D.H: "raketo ao an'eritreritra sy ny sain'ireo vahoakanao mandrakizay"
mandry ambany manandrina ny tany tahaka ny fanehoana fanajana faratampony.
mba hanome voninahitra an'i Yaveh.
Ny voalohany dia voafaritra ao amin'ny 23:1
D.H: "nanosotra azy mba hanapaka eo amin'israely
D.H: "tsy fivadihan'izy ireo"
Ireo andian-teny roa ireo dia mampisongadina fa i Solomona dia nahazo fankasitrahana miavaka teamin'i Yaveh, izay nahatonga azy hoi lehibe indrindra teo amin'i Israely ary mpanjaka mahery indrindra.
Asa izay tsy mbola nisy izany.
D.H: "Nisy olona nanoratra ireo asa."
"Ireo zava-nitranga nandritra ny naha-mpanjaka an'i Davida."
D.H: "Ireo zava-niseho tamin'ny firenen-kafa izay nahakasika an'Israely."
1 Solomona zanaka lahin'i Davida, dia nitombo hery tamin'ny fanjakany, ary Yaveh Andriamaniny dia nomba azy ary nahatonga azy ho tena mahery. 2 Solomona niteny tamin'Israely rehetra, tamin'ireo mpifehy ny arivo lahy sy ny zato lahy, sy tamin'ireo mpitsara, ary tamin'ny andrian-dahy rehetra tao Israely rehetra, ireo mpitarika ny tranon-drazambe. 3 Koa dia nandeha teny amin'ny fitoerana avo izay tany Gibeona i Solomona sy ny mpiangona rehetra niaraka taminy, satria tany no nisy ny tranolay fihaonana amin'Andriamanitra, izay namboarin'i Mosesy mpanonpon'i Yaveh, tany an'efitra. 4 Fa nentin'i Davida avy tany Kiriata Jearima ho any amin'ilay toerana izay nomaniny ho amin'izany ny fiaran'Andriamanitra, satria efa nanorina lay ho an'izany tao Jerosalema izy. 5 Fanampin'izany, ilay alitara varahina nataon'i Bezalila zanaka lahin'i Ori zanaka lahin'i Hora dia efa tany nanoloana ny tabernakelin'i Yaveh; nandeha tany i Solomona sy ny fiangonana. [1]6 Niakatra tany amin'ilay alitara varahina anoloan'i Yaveh i Solomona, izay tao amin'ny tranolay fihaonana, ary nanolotra fanatitra dorana arivo teo amin'izany. 7 Andriamanitra niseho tamin'i Solomona tamin'io alina io ary niteny taminy hoe: "Angataho! Inona no tokony omeko anao?" 8 Hoy Solomona tamin'Andriamanitra hoe: "Ianao dia efa nampiseho famindra-po lehibe tamin'i Davida raiko, ary nanao ahy ho mpanjaka teo amin'ny toerany. 9 Ankehitriny, ry Yaveh Andriamanitra, aoka mba ho tanterahina ny fampanantenana nataonao tamin'i Davida raiko, satria nataonao mpanjakan'ny olona maro an'isa toy ny vovoky ny tany aho. 10 Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho, mba hahafahako mitarika ity vahoaka ity, satria iza no afaka hitsara ny vahoakanao, izay tena maro an'isa?" 11 Hoy Andriamanitra tamin'i Solomona hoe: "Satria tao am-ponao izany, ary satria tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ny ain'ireo izay mankahala anao, na mba ho ela velona ianao, fa fahendrena sy fahalalana ho an'ny tenanao no nangatahanao, mba hahafahanao manjaka amin'ny vahoakako, eo amin'ireo izay nanaovako anao ho mpanjaka, ary izao no ho ataoko. 12 Homeko fahendrena sy fahalalana ianao anio. Homeko vola aman-karena, sy voninahitra ihany koa ianao, izay tsy nananan'ireo mpanjaka teo alohanao, ary tsy hisy aorianao hanana." 13 Koa tonga tao Jerosalema avy tany amin'ny fitoerana avo izay tao Gibeona i Solomona, avy teo anoloan'ny tranolay fihaonana; nanjaka nanerana an'Israely izy. 14 Nampivory ireo kalesy sy mpitaingin-tsovaly i Solomona, ary nanana kalesy 1. 400 sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina izy izay napetrany tao amin'ny tanàna fitoeran'ireo kalesy, ary niaraka taminy, ny mpanjaka tao Jerosalema. 15 Nataon'ny mpanjaka nitobaka tao Jerosalema toy ny vatokely ny volafotsy sy volamena, ary nataony nitobaka toy ny aviavy izay eny amin'ireo tany iva ny hazo sedera. 16 Toy ny fanafarana ireo soavaly avy any Egypta sy Kiho ho an'i Solomona, dia novidian'ireo mpandrantony avy any Kiho tamin'ny vidiny tokana ireo. 17 Nanafatra kalesy avy tany Egypta tamin'ny sekely volafotsy enin-jato izy ireo, ary soavaly tamin'ny sarany sekely 150. Izy ireo ihany koa dia nanondrana ireo tany amin'ireo mpanjakan'i Hetita sy ireo Syriana.
D.H: "Nampiasa hery lehibe yeo amin'Israely i Solomona"
ity dia anaran'Andriamitra izay velona tamin'ny olona tany amin'ny testamenta taloha.
D.H: "Nanohana azy Andriamanitra" na "nanampy azy Andriamanitra"
Tanàna kely eo amin'ny 9 kilometatra miala andrefan'ny Jerosalema.
D.H: "nametraka lay"
Anaran'olona ireo.
Niakatra tany amin'i Gibeona i Solomona raha tao amin'ny trano lay fihaonana ny alitara.
D.H: "vita" na "tonga tamin'ny fahavitana"
D.H: "olona voahisa"
D.H: "Tsy misy na iray afaka hitsara ny vahoakanao maro an'isa"
D.H: "teo anoloan'ny tabernakely".
Ity dia fanehoana ireo tanàna kely izay nitahiry ireo kalesiny.
D.H: "tsy fahita firy no sady vy sarobidy lasa be dia be"
D.H: "tsy fahita firy no sady hazo sarobidy nafarana lasa be dia be."
1 Ary Solomona no nibaiko ny fanorenana trano ho amin'ny anaran'i Yaveh sy ny fanorenana lapa ho an'ny fanjakany. 2 Nanendry lehilahy fito alina i Solomona mba hitondra ireo entana, sy lehilahy valo alina mba ho mpanapaka hazo tany an-tendrombohitra, ary lehilahy 3. 600 mba hanara-maso azy ireo. Nandefa hafatra tany amin'i Hirama, mpanjakan'i Tyro i Solomona, nanao hoe: 3 "Tahaka izay nataonao tamin'i Davida raiko, ny nandefasanao hazo sedera mba hanorenany trano honenana, dia manaova toy izany amiko. 4 Indro, eto am-panorenana trano ho amin'ny anaran'i Yaveh Andriamanitro aho, mba hanokana izany ho Azy, mba handoro ditin-kazo manitra eo anatrehany, mba hametraka ny mofon'ny fanatrehana, ary ho an'ireo fanatitra dorana amin'ny maraina sy hariva, amin'ireo Sabata sy ireo volana vaovao, ary amin'ireo firavoravoana voatondro ho an'i Yaveh Andriamanitsika. Mandrakizay izany, ho an'Israely. 5 Ho lehibe tokoa ny trano izay ho aoriko, satria lehibe ny Andriamanitsika mihoatra ireo andriamanitra rehetr. 6 Fa iza anefa no mahay manorina trano ho an'Andriamanitra, raha izao tontolo rehetra izao hatramin'ny lanitra aza tsy omby Azy? Iza aho no hanorina trano ho Azy, afa-tsy ny mandoro sorona eo anatrehany? 7 Noho izany aniraho lehilahy manam-pahaizana amin'ny asa amin'ny volamena, volafotsy, varahina, vy, sy volomparasy, sily, ary volon'ondry manga aho, ary lehilahy iray mahay manamboatra ireo karazan-kazo voasokitra rehetra. Hiaraka amin'ireo lehilahy manam-pahaizana izay miaraka amiko any Joda sy Jerosalema izy, izay natolotr'i Davida raiko. 8 Andefaso sedera, kypreso, ary hazo almoga avy any Libanona ihany koa aho, satria fantatro fa ireo mpanomponao dia mahay ny fomba fanapahana hazo any Libanona. Indro, ireo mpanompoko dia hiaraka amin'ireo mpanomponao, 9 mba hanomana hazo betsaka ho ahy, satria ny trano izay ho aoriko dia ho lehibe sy mahatalanjona. 10 Indro, izaho hanome an'ireo mpanomponao, dia ireo lehilahy izay hanapaka ny hazo, vary tritika roa alina kora, vary hordea roa alina kora, divay roa alina bata, ary diloilo roa alina bata." [1]11 Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, namaly an-tsoratra, izay nalefany tany amin'i Solomona hoe: "Satria Yaveh tia ny olony, dia nanao anao ho mpanjaka eo amin'izy ireo Izy." 12 Fanampin'izany, Hirama niteny hoe: "Isaorana anie Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, izay nanao ny lanitra sy ny tany, izay nanome zanaka lahy hendry an'i Davida mpanjaka, natolotra tamim-pitandremana sy fahazavan-tsaina, izay hanorina trano ho an'i Yaveh, ary trano ho an'ny fanjakany. 13 Ary naniraka lehilahy manam-pahaizana aho, natolotra tamim-pahazavan-tsaina, dia i Horama, ilay matihaniko. 14 Zanaka lahin'ny vehivavy irain'ireo zanaka vavin'i Dana izy. Lehilahy avy any Tyro no rainy. Manam-pahaizana amin'ny asa amin'ny volamena, volafotsy, varahina, vy, vato, sy amin'ny hazo, sy amin'ny volomparasy, manga, ary jaky volon'ondry, sy rongony fotsy madinika izy. Manam-pahaizana amin'ny karazana sokitra sy karazana famolavolana ihany koa izy. Aoka hisy toerana ho azy eo amin'ireo mpiasanao manam-pahaizana, sy miaraka amin'ireo an'ny tompoko, dia i Davida, rainao. 15 Koa ankehitriny, ny vary sy ny vary hordea, ny diloilo sy ny divay, izay noresahin'ny tompoko, dia aoka ho alefany any amin'ireo mpanompony. 16 Hanapaka hazo avy any Libanona izahay, betsaka araka izay ilainao. Ho alefanay mitsinkafona amin'ny ranomasina ho any Jopa any aminao izany, ary ianao no hampiakatra izany any Jerosalema." 17 Nanisa ireo vahiny rehetra izay tao amin'ny tany Israely i Solomona, araka ny fomba nanisan'i Davida, rainy, azy ireo. 153, 600 no isan'izy ireo. 18 Nanendry fito alina tamin'ireo izy mba hitondra entana, valo alina mba ho mpanapaka hazo any an-tendrombohitra, ary mpanara-maso 3. 600 mba hampiasa ny vahoaka.
Io dia anran'olona.
Ity dia fanehoana ireo mofo 12 izay napetraka teo anoloan'ny alitara.
Ity dia fotoan'ny fankalazàna nifanandry tamin'ny fihetsiky ny volana.
Ity dia fanehoana an'Andriamanitra manan-danja lehibe noho ireo andriamanitra hafa.
D.H: "tsy misy na iray mahay manamboatra trano ho an'Andriamnitra satria tsy misy zavatra omby Azy. Tsy iza aho! olona izay afaka manolotra sorona Aminy ihany.
Ity dia karazana hazo tahaka ny fampiasa amin'ny zava-maneno na sary sokitra.
izany dia, varim-bazaha.
D.H: "nomena fanolorana fahazavan-tsaina."
D.H: "lapa ho azy"
Anraran'olona.
1 Avy eo Solomona nanomboka nanangana ny tranon'i Yaveh tao Jerosalema tany amin'ny tendrombohitr'i Moria, izay nisehoan'i Yaveh tamin'i Davida rainy. Nanomana ilay toerana izay efa nofidian'i Davida ho amin'izany izy, tao amin'ny famoloan'i Ornana ilay Jebosita. 2 Nanomboka nanamboatra tamin'ny andro faharoan'ny volana faharoa izy, tamin'ny fahefa-taona nanjakany. 3 Ireto avy ny refin'ny fototra izay nataon'i Solomona ho an'ny tranon'Andriamanitra. Nampiasa ny hakiho taloha, enim-polo hakiho ny halavany, ary roapolo hakiho ny sakany. 4 Roapolo hakiho ny halavan'ny lavarangana eo anoloan'ny trano, mifanaraka amin'ny sakan'ilay trano. Roa-polo hakiho ihany koa ny haavony, ary nopetahan'i Solomona takela-bolamena madio ny tao anatiny. 5 Noravahany kypreso ny valin-drihan'ny efitrano lehibe, izay nopetahany takela-bolamena tsara, ary nanaovany sokitra tamin'ny hazo palma sy rojo. 6 Noravahany tamin'ny vato sarobidy ilay trano; ilay takela-bolamena dia volamena avy any Parvaima. 7 Nopetahany takela-bolamena ihany koa ireo andriny, ireo tokonam-baravarana, rindrina, ary ireo varavarana; nasiany sarina kerobima teo amin'ireo rindrin'izany. 8 Nanamboatra ny fitoerana masina indindra izy. Ny halavany dia mifanaraka amin'ny sakan'ny trano, roapolo hakiho, ary roa-polo hakiho ihany koa ny sakany. Nopetahany takela-bolamena madio izany, izay talenta enin-jato. 9 Ny lanjan'ireo fantsika dia sekely volamena dimam-polo. Nopetahany takela-bolamena ny faritra ambony. 10 Nanamboatra sarina kerobima roa tao amin'ny fitoerana masina indrindra izy; nopetahan'ny mpanao asa-tanana takela-bolamena ireo. [1]11 Roapolo hakiho ny halavan'ny elatr'ireo kerobima miaraka; dimy hakiho ny halavan'ny elatry ny kerobima iray, manakatra ny rindrin'ny efitrano; dimy hakiho tahaka izany ihany koa ny elatra iray hafa, manakatra ny elatr'ilay kerobima hafa. 12 Dimy hakiho ihany koa ny halavan'ny elatr'ilay kerobima hafa, manakatra ny rindrin'ilay efitrano; dimy hakiho ihany koa ny elany hafa, mikasika ny elatr'ilay kerobima voalohany. 13 Roa-polo hakiho ny fitambaran'ny elatr'ireo kerobima ireo. Nijoro ireo kerobima, ny tavan'izy ireo manandrify efitrano lehibe. 14 Nataony tamin'ny manga, volomparasy, sy volon'ondry mena ary rongony fotsy madinika ny lamba, ary nohaingoiny kerobima teo amin'izany. 15 Nanao andry anankiroa ihany koa Solomona, telopolo hakiho ny haavon'ny tsirairay, teo anoloan'ilay trano; dimy hakiho ny haavon'ireo kapitaly izay teo an-tampon'ireo. 16 Nanao rojo ho an'ireo andry izy ary nametraka ireo teo an-tampon'ireo; nanao ampongabendanitra zato ihany koa izy ary nampifandray ireo tamin'ireo rojo. 17 Nataony teo anoloan'ny tempoly ireo andry, iray teo an-kavanana, ary ny iray hafa teo an-kavia; nantsoiny hoe Jakina ilay andry teo an-kavanana, ary Boaza ilay andry teo an-kavia.
Ity dia toerana izay nanoloran'i Abrahama ny zanany lahy, Izaaka, tamin'Andriamanitra.
Anararan'olona.
Ity dia volana faharoa amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro faharoa dia akaikin'ny tapaky ny volana Aprily eo amin'ny tetiandro tandrefana.
Ity dia taona faha efatra amin'ny tetiandro Hebreo.
"60...20"
Hakiho iray dia 46 santimetatra.
D.H: "lavarangana"
Hakiho iray dia 46 santimetatra.
D.H: "nataony"
Ity dia fanehoana ny efitra malalaka, fa tsy lalantsara.
Vato izay sarobidy, avo lanja, ary nampiasina amin'ireo fanaingona.
Fiteny amin'ny ankapobeny amin'ny atsinanana.
Hakiho iray dia 46 santimetatra.
Ny dika teny sasany midika tarehimarik'i Keroba vita tamin'ny vy.
D.H: "fitafy ambony hatsaràna" na "fitafy tsara"
1 Ankoatra an'izay dia nanamboatra alitara varahina izy, roapolo hakiho ny halavany, ary roapolo hakiho ny sakany. Folo hakiho ny haavony. 2 Nataony vy ihany koa ny manodidina ny tavin-drano, folo hakiho ny molony. Dimy hakiho ny haavony, ary telopolo hakiho ny manodidina an'ilay tavin-drano. 3 Ny ambanin'ny molotr'ilay tavin-drano manodidina dia nisy ombilahy, folo isaky ny hakiho, natambatra ho iray miaraka amin'ny tavin-drano rehefa vita ilay tavin-drano. 4 Napetraka teo ambonin'ny omby roa ambin'ny folo ny tavin-drano, ny telo mitodika mianavaratra, ny telo mitodika miankandrefana, ny telo mitodika mianatsimo, ary ny telo mitodika miatsinanana. Napetraka teo an-tendron'ireo ny tavin-drano, ary nifanila ny zorony efatr'izy ireo. 5 Matevina tahaka ny vodivoam-pelatanana ilay tavin-drano, ary ny molony dia voatefy tahaka ny molotra kapoaka, tahaka ny vonin'ny lilia. 6 Mahalany rano telo arivo bata ny tavin-drano. Nanamboatra koveta folo lehibe ho fanasana zavatra ihany koa izy; nasiany dimy teo an-kavanana, ary dimy teo an-kavia; fitaovana ampiasaina amin'ny fanatanterahana ny fanatitra dorana no nosasana teo amin'ireo. Ny tavin-drano kosa, mba hisasan'ireo mpisorona. 7 Nanamboatra ireo fitoeran-jiro volamena folo izay natao araka ireo toromarika ho an'ny sary izy; napetrany tao an-tempoly ireo, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia. 8 Nanamboatra latabatra folo izy ka napetrany tao an-tempoly ireo, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia. Nanamboatra koveta volamena zato izy. 9 Fanampin'izany dia nanamboatra kianjan'ny mpisorona sy kianja lehibe, ary varavaran'ny kianja izy; nopetahany varahina ireo varavaran'ireo. 10 Napetrany teo amin'ny ilany ankavanan'ny trano, tany atsinanana, mitodika mianatsimo ilay tavin-drano. 11 Nanamboatra vilany, lapelina fandraofana, ary lovia famafazana i Hirama. Ka dia vitan'i Hirama ny asa izay nataony ho an'i Solomona Mpanjaka tao an-tranon'Andriamanitra: 12 dia ireo andry roa, kapitaly boribory izay teo an-tapon'ny andry roa, ary fitoeran'ny haingo makarakara roa mba hanaronana ireo kapitaly boribory roa izay teo an-tampon'ireo andry. 13 Efa nanamboatra ampongabendanitra efa-jato ho an'ireo haingo makarakara izy: ampongabendanitra roa andalana isaky ny fitoeran'ny makarakara avy mba hanaronana ny kapitaly boribory roa izay teo amin'ireo andry. 14 Nanamboatra tsangànana sy koveta natao teo ambonin'ilay tsangànana ihany koa izy; 15 tavin-drano iray sy omby roa ambin'ny folo eo ambaniny, 16 ireo vilany, lapelina fandraofana, fitrebika, ary fitaovana hafa rehetra ihany koa. Nataon'i Hirama ilay matihanina tamin'ny varahina voadio, ho an'i Solomona Mpanjaka, ho an'ny tranon'i Yaveh ireo. [1]17 Narendriky ny mpanjaka teo amin'ny lemaky ny Jordana ireo, teo amin'ny tanimanga anelanelan'i Sokota sy Zaretana. 18 Dia toy izany, no nanamboaran'i Solomona ireo fanaka rehetra maro be ireo; tsy afaka nofantarina tokoa ny lanjan'ny varahina. 19 Nanamboatra ny fanaka rehetra izay tao an-tranon'Andriamanitra i Solomona, ny alitara volamena ihany koa, ary ireo latabatra izay nametrahana ny mofon'ny fanatrehana; 20 ny fitoeran-jiro mbamin'ny jiron'ireo, izay voatokana ho dorana eo anoloan'ny efitra anatiny—ireo dia vita tamin'ny volamena madio; 21 ary ireo voninkazo, ireo jiro, ary ny lelan-jiro, dia volamena, volamena madio. 22 Ny fanapahan-jiro, ny koveta, ny sotro, ary ditin-kazo manitra fandoro ihany koa dia vita tamin'ny volamena madio avokoa. Ny amin'ny fidirana mankao an-trano, ireo varavarana anatiny mankao amin'ny toerana masina indrindra ary ny varavaran'ny trano, izay, an'ny tempoly, dia vita tamin'ny volamena.
Hakiho iray dia 46 santimetatra.
Ity dia vy be.
Ity tampony sisin'ny fitoeran-javatra.
Ity dia elanelana miodidina ivelan'ilay boribory.
D.H: "isaky ny folo hakiho"
Ity dia ampahaefan-damosina amin'ny vatan'ny biby miaraka amin'ny tongotra efatra.
D.H: "Ny molony dia malefaka, ary ny sisiny dia henjana."
Ity dia zavatra boribory marivo fampiasa amin'ny fanasana.
Anaran'olona.
Lovia izay fampiasa ao amin'ny tranon'Andriamanitra amin'ny famafazana ny alitara.
tahaka ny kapitaly- tapany ambonin'ny andrim- bato natsoina hoe kapitaly. D.H: "lovia miendrika sarony" na "lovia miendrika tapany ambony"
Ity dia fanaingona sokitra na marika eo amin'ny tapany ambonin'ny andrim-bato.
D.H: "lovia"
Ity dia fanaingona lehibe amin'ny fanasana fitoeran-javatra.
Fitaovana hafa na zavatra hafa fampiasa amin'ny alitara.
varahina nampiasain'ny mpanao asa tanana amin'izany hanatarafana ny jiro.
anaran-tanàna.
Tsy i Solomona tenany manokana no manamboatra ireo fanaka, fa nibaiko azy ireo izy mba hahavita izany.
D.H: "ny habetsak'ireo varahina dia maro be"
ireo mpiasan'i Solomona nanamboatra ireo zavatra tamin'ny baikony.
ireo lovia sy ireo fitaovana rehetra izay nampiasaina tao amin'ny tranon'Andriamanitra.
Ity dia fanehoana ireo mofo 12 izay napetraka teo anoloan'ny alitara.
1 Rehefa vita ny asa rehetra izay nataon'i Solomona ho an'ny tranon'i Yaveh, dia nampidirin'i Solomona ireo zavatra izay efa natokan'i Davida, rainy, ho an'izany tanjona izany, anisan'izany ny volafotsy, ny volamena, ary ireo fanaka rehetra—napetrany tao amin'ny fitehirizana tao an-tranon'Andriamanitra ireo. 2 Dia nampivorian'i Solomona, tany Jerosalema, ireo loholon'Israely, ireo mpitarika ny foko rehetra, ary ireo mpitarika ny fianakavian'ny vahoakan'Israely, mba hampiakatra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh avy ao amin'ny tanànan'i Davida, izay i Ziona. 3 Niangona teo anoloan'ny mpanjaka tamin'ny andro firavoravoana, izay tamin'ny volana fahafito ny olon'Israely rehetra. 4 Tonga ny loholon'Israely rehetra, ka dia nampiakatra ny fiara ireo Levita. 5 Nampiakarin'izy ireo ny fiara, ny tranolay fihaonana, ary ny fanaka masina rehetra izay tao an-day. Ireo mpisorona izay avy tamin'ny fokon'i Levy no nampiakatra ireo zavatra ireo. 6 Niara-tonga teo anoloan'ilay fiara i Solomona Mpanjaka sy ny fiangonan'Israely rehetra, nanao sorona ondry sy omby izay tsy tambo isaina. 7 Ireo mpisorona dia nampiakatra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh ho ao amin'ny fitoerany, tao amin'ny efitra anatin'ny trano, tao amin'ny toerana masina indrindra, ambanin'ireo elatry ny kerobima. 8 Satria ny kerobima dia namelatra ny elatr'izy ireo eo amin'ny fitoeran'ny fiara, ka nanarona ilay fiara sy ireo bao izay hilanjana izany ireo. 9 Ireo bao dia lava tokoa ka dia hita avy ao amin'ny fitoerana masina anoloan'ny efitra anatiny ireo fiafarany, saingy tsy hita avy any ivelany izany. Ao mandrak'androany ireo. 10 Tsy nisy na inona na inona tao amin'ny fiara afa-tsy ireo vato fisaka roa izay napetrak'i Mosesy tao tany Horeba, tamin'i Yaveh nanao fanekena tamin'ny vahoakan'Israely, rehefa nivoaka an'i Egypta izy ireo. 11 Ary nivoaka tao amin'ny fitoerana masina ireo mpisorona. Ireo mpisorona tonga rehetra dia nanoka-tena ho an'i Yaveh, tsy nandaha-tena araka ny fizaran'izy ireo. 12 Ireo Levita izay mpihira ihany koa, izy rehetra, anisan'izany i Asafa, Hemana, Jedotona, ary ireo zanaka lahy sy rahalahin'izy ireo, niakanjo rongony fotsy madinika ary nitendry kipantsona, harpa, sy lokanga, dia nijoro teo amin'ny farany atsinanan'ny alitara. Nisy mpisorona 120 nitsoka trompetra niaraka tamin'izy ireo. 13 Ary nampiara-peo ireo mpitsoka trompetra sy ireo mpihira, nanao feo tokana mba ho re ho fiderana sy fisaorana an'i Yaveh. Nanandratra ny feony tamin'ny trompetra sy kipantsona ary zava-maneno hafa izy ireo, ka nidera an'i Yaveh. Nihira izy ireo hoe: "Fa tsara Izy, satria maharitra mandrakizay ny tsy fivadiham-panekeny." Ary ny trano, ilay tranon'i Yaveh, dia feno rahona. 14 Tsy afaka nijoro mba hanompo ireo mpisorona nohon'ny rahona, satria nameno ny tranony ny voninahitr'i Yaveh.
Ity dia faritra iray izay hitahirizana ireo zavatra.
Ity dia fetin'ny fialofana izay amin'ny andro faha dimy amin'ny volana faha fito ao amin'ny tetiandro Hebreo. Ity dia akaikin'ny fanomboan'ny Octobra amin'ny tetiandro tandrefana.
ireo lovia sy ireo fitaovana rehetra izay nampiasaina tao amin'ny tranon'Andriamanitra.
D.H: "ondry sy omby maro"
D.H: "amin'ny toerana voatondro"
Ity dia maneho ilay fotoana izay nahavoasoratra ny bokin'ny tantara 2.
Izy telo mitovy nanao fanompoana rehefa niala ny fiara i Davida tao Jerosalema. Davida no nanondro farany azy ireo ho mozikan'ny tempoly.
D.H: "ny havan'izy ireo" na "ny taranak'izy ireo"
vy boribory fisaka manify roa, dia mihira miaraka anaovana feo mafy.
1 Dia hoy Solomona hoe: "Nambaran'i Yaveh fa hitoetra ao anaty aizim-pito Izy, 2 kanefa efa nanorina trano tsara tarehy ho Anao aho, dia toerana hitoeranao mandrakizay." 3 Dia nihodina ny mpanjaka ary nitso-drano ny fiangonan'Israely rehetra, raha mbola teo am-pitsanganana ny fiangonan'Israely rehetra. 4 Hoy izy hoe: "Ho deraina anie Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, izay niteny tamin'i Davida raiko, ary nahatanteraka izany tamin'ny tanany ihany, nanao hoe: 5 'Hatramin'ny andro nitondrako ny vahoakako nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta, dia tsy nifidy tanàna teo amin'ny fokon'Israely rehetra mba hanorenana trano Aho, mba hitoeran'ny anarako ao. Ary tsy mba nifidy olona ho andriandahy eo amin'Israely oloko Aho. 6 Kanefa, nifidy an'i Jerosalema Aho, mba hitoeran'ny anarako ao, ary nifidy an'i Davida Aho mba hanapaka eo amin'Israely oloko.' 7 Ary tao am-pon'i Davida raiko ny hanorina trano ho an'ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. 8 Fa hoy Yaveh tamin'i Davida raiko hoe: 'Fa nataonao tao am-ponao ny hanorina trano ho an'ny anarako, dia tsara ny nanaovanao izany tao am-ponao. 9 Na izany aza, dia aoka tsy hanorina ilay trano ianao; fa kosa, ny zanakao lahy, izay ho teraka avy amin'ny voanao, no hanorina ilay trano ho an'ny anarako.' 10 Notanterahin'i Yaveh ny teny izay efa nolazainy, satria nitsangana handimby ny toeran'i Davida raiko aho, ka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely, araka ny nampanantenain'i Yaveh. Naoriko ho an'ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ny trano. 11 Napetrako tao ilay fiara, izay misy ny faneken'i Yaveh, izay nataony tamin'ny vahoakan'Israely." 12 Nijoro teo anoloan'ny alitaran'i Yaveh i Solomona teo amin'ny fanatrehan'ny fiangonan'Israely rehetra, ary namelatra ny tanany. 13 Fa nanamboatra sehatra varahina izy, izay dimy hakiho ny halavany, dimy hakiho ny velarany, ary telo hakiho ny haavony. Napetrany teo afovoan'ny kianja izany. Nijoro teo ambonin'izany izy ary nandohalika teo anatrehan'ny fiangonan'Israely rehetra, ary avy eo namelatra ny tanany nakany amin'ny lanitra izy. 14 Hoy izy hoe: "Ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na any an-danitra na ety an-tany, izay mitàna fanekena sy fitiavana tsy mivadika amin'ireo mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony manontolo; 15 Ianao izay efa nitàna izay nampanantenainao tamin'i Davida raiko mpanomponao. Eny, niteny tamin'ny vavanao Ianao ary notanterahinao tamin'ny tananao izany, hatramin'ny androany. 16 Ankehitriny ary, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, tanteraho izay nampanantenainao tamin'i Davida raiko mpanomponao, rehefa niteny Ianao hoe: 'Tsy ho foana aminao ny hanana olona hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely eo imasoko, raha toa ka mitandrina ny handeha amin'ny lalàko ny taranakao, tahaka ny nandehananao teo anatrehako.' 17 Ankehitriny ary, ry Andriamanitr'Israely, mivavaka aho mba ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin'i Davida mpanomponao. 18 Fa tena honina ety an-tany miaraka amin'ny zanak'olombelona tokoa ve Andriamanitra? Indro, izao tontolo izao sy ny lanitra aza tsy antonona Anao—mainka fa ity tempoly izay naoriko ity! 19 Kanefa mba henoy re ity vavaky ny mpanomponao sy ny fangatahany ity, ry Yaveh Andriamanitro; mba henoy ny talaho sy ny vavaka ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao. 20 Enga anie ka hisokatra amin'ity tempoly ity andro aman'alina ny masonao, dia ilay toerana izay nampanantenainao hametrahana ny anaranao. Hihaino ny vavaka ataon'ny mpanomponao manatrika ity toerana ity anie Ianao. 21 Koa henoy ny fangatahan'ny mpanomponao sy ny Israely olonao rehefa mivavaka manatrika ity toerana ity izahay. Eny, mihainoa avy any amin'ny toerana honenanao, avy any an-danitra; ary rehefa mihaino Ianao, dia mamelà. 22 Raha manota amin'ny namany ny olona iray ka tsy maintsy hampanaovina fianianana, ary raha tonga izy ka manao fianianana eo anatrehan'ny alitaranao ato amin'ity trano ity, 23 dia mihainoa avy any an-danitra ka miasà ary tsarao ireo mpanomponao, mba hamaly ny ratsy fanahy, mba hampanody izay nataony ho eo amin'ny lohany ihany. Ambarao ho tsy manan-tsiny ny marina, mba hamaliana soa azy nohon'ny fahamarinany. 24 Rehefa resin'ny fahavalo ny Israely olonao satria nanota taminao, ka raha miverina aminao izy ireo, manaiky ny anaranao, mivavaka, ary mangataka famelana avy aminao ato amin'ity tempoly ity— 25 dia mihainoa avy any an-danitra re ary mamelà ny fahotan'Israely olonao; ento miverina any amin'ny tany izay nomenao azy ireo sy ny razambeny izy ireo. 26 Raha mihidy ny lanitra ka tsy misy orana satria nanota taminao ny vahoaka—raha mivavaka manatrika ity toerana ity izy ireo, manaiky ny anaranao, ary miala amin'ny fahotany rehefa avy nampahorianao— 27 dia mihainoa any an-danitra ary mamelà ny fahotan'ny mpanomponao sy ny Israely olonao, rehefa mampianatra azy ireo ny lalana tsara izay tokony halehany Ianao. Mandatsaha orana eo amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao. 28 Raha atao hoe misy mosary eo amin'ny tany, na atao hoe misy areti-mandringana, fahamainan'ny vary na maty fotsy, valala na sompanga; na atao hoe manafika ny vavahadin'ny tanàna ao amin'ny tanin'izy ireo ny fahavalony, na misy areti-mandringana na faharariana— 29 ary raha atao indray hoe misy vavaka sy fangatahana nataon'ny olona iray na ny Israely vahoakanao manontolo— izay samy mahalala ny aretina sy ny alahelo any am-pony avy raha mamelatra ny tanany ho amin'ity tempoly ity izy. 30 Dia mihainoa any an-danitra, ilay toerana honenanao; mamelà, ary valio soa ny olona rehetra nohon'ny lalany rehetra; Ianao mahalala ny fony, satria Ianao dia Ianao ihany no mahalala ny fon'olombelona. 31 Ataovy izany mba hatahoran'izy ireo Anao, mba handehanan'izy ireo amin'ny lalanao amin'ny andro rehetra iainan'izy ireo ao amin'ilay tany izay nomenao an'ireo razambenay. 32 Ny amin'ireo vahiny izay tsy isan'Israely olonao, saingy—nohon'ny anaranao lehibe, ny tananao mahery, ary ny sandrinao mitsotra—dia tonga sy mivavaka manatrika ity trano ity, 33 dia mihainoa re any an-danitra, izay toerana honenanao, ary ataovy izay rehetra angatahin'ilay vahiny aminao, mba hahafantaran'ny olona rehetra eto an-tany ny anaranao ka hahatahoran'izy ireo Anao, araka ny ataon'Israely olonao manokana, ary mba hahafantaran'izy ireo fa ity trano izay naoriko ity dia antsoina amin'ny anaranao. 34 Raha atao hoe mandeha mivoaka hiady amin'ny fahavalon'izy ireo ny olonao, na inona na inona fomba nandefasanao azy ireo, ary raha mivavaka aminao manatrika ity tanàna izay voafidinao ity izy ireo, ary manatrika ny trano izay naoriko ho an'ny anaranao. 35 Dia mihainoa ny vavaka, sy ny fangatahan'izy ireo avy any an-danitra, ary omeo rariny izy ireo. 36 Raha atao hoe manota aminao izy ireo—satria tsy misy olona tsy manota—ary raha atao hoe tezitra amin'izy ireo Ianao ka manolotra azy ireo ho eo amin'ny fahavalo, mba hitondran'ny fahavalo azy ireo sy hangalana azy ireo ho babo any amin'ny tanin'izy ireo, na lavitra na akaiky. 37 Ary raha atao hoe tsaroan'izy ireo fa any amin'ny tany izay nanaovana sesin-tany azy izy ireo, ary raha atao hoe mibebaka izy ireo ka mitady sitraka aminao any amin'ny tany nahababo azy ireo. Raha miteny izy ireo hoe: 'Nanao zavatra tsy nety izahay ary nanota. Ratsy fitondran-tena izahay.' 38 Raha atao hoe miverina aminao amin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo any amin'ilay tanin'ny fahababoany izy ireo, izay nitondrany azy ireo ho babo, ary raha atao hoe mivavaka amin'ny taniny izy ireo, dia izay nomenao ho an'ny razamben'izy ireo, sy manandrify ny tanàna izay nofidinao, ary manandrify ilay trano izay naoriko ho an'ny anaranao. 39 Dia henoy avy any an-danitra, ilay toerana honenanao, ny vavak'izy ireo sy ny fangatahan'izy ireo famonjena, ary omeo ny rariny izy ireo. Mamelà ny olonao, izay nanota taminao. 40 Ankehitriny, ry Andriamanitro, miangavy aminao aho, aoka hisokatra ny masonao, ary aoka ny sofinao hihaino ny vavaka izay atao eto amin'ity toerana ity. 41 Ankehitriny ary mitsangàna, ry Yaveh Andriamanitra, eo amin'ny toerana fitsaharanao, Ianao sy ny fiaran'ny tanjakao. Aoka ny mpisoronao, ry Yaveh Andriamanitra, mba hitafy famonjena, ary aoka ireo olo-masinao hiravo amin'ny fahatsaranao. 42 Ry Yaveh Andriamanitra, aza mampiodina ny tavan'ilay voahosotrao hiala aminao. Tsarovy ireo asan'ny tsy fivadiham-panekenao ho an'i Davida, mpanomponao."
D.H: "toerana ambony honenana"
D.H: "raha mbola nitsangana ny olona"
nahatonga izany hitranga na efa azo antoka fa ny fampanantenany dia tanteraka.
D.H: "mba hampahafantatra ny tenako any."
D.H: "ilay fanirian'i Davida."
Ny anaran'i Yaveh dia mampiseho ny fanatrehany tanteraka.
D.H: "izay hisehoan'ny fanekena amin'ny vato fisaka arak'izay nataon'i Yaveh tamintsika vahoakan'Israelita." (UDB)
D.H: "teo amin'ny fanatrehan'ny vahoakan'Israely izay natambatra tany."
hakiho iray dia mirefy 46 kilometatra.
Nanindritra ny tanany i Solomona ary nametrazka azy ireo ambony tahaka ny nandohaliany teo an-tsehatra mba hivavaka.
D.H: "izahay no nanandrana ny hanao izay tianareo hatao aminay."
Ity dia maneho ny fampanantenana izay nataon'Andriamanitra tamin'i Davida fa ny zanany lahy dia tsy maintsy hanao ny tempoly. D.H: "efa notanterahanao ny fampanantenanao."
Ity dia fangatahana. D.H: "mba ataovy re"
D.H: "mbola hanana iray ho mpanjaka amin'ny taranak'i Davida foana ianao"
D.H: "tamin'ny fomba izay nataon'i Davida"
D.H: "fa Ianao Andriamanitra, azo antoka fa tsy hiaina miaraka amin'ny olombelona eto an-tany."
D.H: "tsy misy na iray mahay manamboatra trano ho an'Andriamnitra satria tsy misy zavatra omby Azy. Tsy iza aho! olona izay afaka manolotra sorona Aminy ihany.
Ny teny "talaho" sy "vavaka" dia mizara dika mitovy. Miaraka asongadin'izy ireo ny fahazotoana amin'ny fivavahany. D.H: "mba valio an-kafanam-po re ny fangatahako."
"mba hampio re ireo izay makeo Aminao ao amin'ny tempoly, amin'ny fotoana rehetra--na andro na alina"
D.H: "izay nolazain'olona Anao dia hampahafantatra ny olona Anao"
Ny mpanoratra dia mivavaka tamin'ny toro-dalan'ny tempoly.
D.H: "raha maheno ny vavany ianao, dia mamelà ny fahotàny"
D.H: "amain'ny famaizana azy fa mendrika azy ny ho voasazy"
D.H: "eny, mba hankasitraho ny vavak'izy ireo"
D.H: "nampanantena azy ireo Ianao"
Ny andian-teny "mihidy ny lanitra" dia midika izay tsy fisian'ny orana avy any amin'ny lanitra. D.H: "Raha tsy mamela ny orana hilatsaka Ianao."
miaraka amin'ireo teniny sy ireo fihetsiny, mankatò an'Andriamanitra sy ireo lalàny izy ireo.
D.H: "mitsahatra amin'ny fomba ratsin'izy ireo."
D.H: "Asehoy azy ireo ny fomba hiainana ny fahamarinana"
Mety midika hoe: "fahafantarana ny fahotana any am-pony manokana" na "fahafantarana izay aretina sy alahelo any am-pony dia vokatry ny fahotany manokana."
Nanindritra ny tanany i Solomona ary nametrazka azy ireo ambony tahaka ny nandohaliany teo an-tsehatra mba hivavaka.
D.H: "izay efa vitany"
D.H: "Tena lehibe sy mahery Ianao."
D.H: "fantatra toy ny tranon'i Yaveh, ny harenao."
D.H: "Efa namboarin'ny olona teo ambany fitarihako"
Alain'ny fahavalo ho babo izy ireo ary hoentin'izy ireo any amin'ny tanin'ny fahavalony"
Ity dia maneho an'Israely. D.H: "ary mivavaka amin'ity tany izay nomenao ny razambean'izy ireo ity."
1 Ary rehefa avy nivavaka Solomona, dia nisy afo nidina avy any an-danitra ary nandevona ireo fanatitra dorana sy ireo sorona, ary nameno ny trano ny voninahitr'i Yaveh. 2 Tsy afaka niditra tao an-tranon'i Yaveh ireo mpisorona, satria heniky ny voninahiny ny tranony. 3 Nijery avokoa ny vahoakan'Israely rehefa nilatsaka ny afo ary teo amin'ilay trano ny voninahitr'i Yaveh. Nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany teo amin'ny rarivato izy ireo, nivavaka, ary nanome fisaorana an'i Yaveh. Hoy izy ireo hoe: "Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony." 4 Koa nanolotra sorona ho an'i Yaveh ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra. 5 Nanolotra sorona omby roa arivo sy roa alina sy ondry aman'osy 120. 000 i Solomona Mpanjaka. Koa notokanan'ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon'i Yaveh. 6 Nitsangana ireo mpisorona, nijoro teny amin'izay nanompoany avy ny tsirairay; ireo Levita ihany koa niaraka tamin'ireo zava-manenon'i Yaveh, izay nataon'i Davida mpanjaka mba hanomezana fisaorana an'i Yaveh tao amin'ny hira manao hoe: "Fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky." Nampaneno ny trompetrany teo anatrehan'izy ireo avy ireo mpisorona rehetra, ary nitsangana avokoa ny Israely rehetra. 7 Nanokana ny afovoan'ny kianja teo anoloan'ny tranon'i Yaveh i Solomona. Teo no nanolorany ilay fanatitra dorana sy ilay tavin'ny fanati-pihavanana, satria ny alitara varahina izay nataony dia tsy hay hitazomana ny fanatitra dorana, ny fanatitra hohanina, ary ny sabora. 8 Nataon'i Solomona nandritry ny hafitoana ny firavoravoana tamin'izany fotoana izany, ary ny Israely rehetra niaraka taminy, dia fiangonana lehibe tokoa, hatrany Lebo Hamata ka hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Egypta. 9 Tamin'ny andro fahavalo dia nanao fivavahana manetriketrika izy ireo, satria nihazona ny fanokanana ny alitara, sy ny firavoravoana nandritry ny hafitoana izy ireo. 10 Tamin'ny andro fahatelo amby roapolon'ny volana fahafito, dia nampody ny vahoaka tany amin'ny tranony tamim-pifaliana sy tamin'ny fo ravoravo i Solomona nohon'ny fahatsarana izay nasehon'i Yaveh tamin'i Davida, Solomona, ary ny Israely olony. 11 Toy izany no nahavitan'i Solomona ny tranon'i Yaveh sy ny tranony manokana. Ny zavatra rehetra izay avy tamin'ny fon'i Solomona mba hatao ao an-tranon'i Yaveh sy ao an-tranony, dia notanterahiny soa aman-tsara. 12 Niseho tamin'i Solomona i Yaveh ny alina ary nilaza taminy hoe: "Efa reko ny vavakao, ary efa nifidy ity toerana ity ho an'ny tenako ho tranon'ny sorona Aho. 13 Raha atao hoe manidy ireo lanitra mba tsy hisian'ny orana Aho, na raha mandidy ireo valala handevona ny tany, na raha mandefa aretina eo amin'ny oloko Aho, 14 ary raha ny oloko, izay antsoina amin'ny anarako, no hanetry ny tenany, sy hivavaka, sy hitady ny tavako, ary hiala amin'ny fomba ratsin'izy ireo, dia handre any an-danitra aho, hamela ny fahotan'izy ireo, ary hanasitrana ny taniny. 15 Ankehitriny dia hisokatra ny masoko ary ny sofiko hiaino tsara ireo vavaka izay atao eto amin'ity toerana ity. 16 Fa ankehitriny dia nifidy sy nanokana ity trano ity aho mba ho eo mandrakizay ny anarako. Ny masoko sy ny foko dia ho eo isan'andro. 17 Raha ny aminao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao ianao, mankatò izay rehetra nandidiako anao ary mitandrina ireo didy aman-dalàko, 18 dia hametraka ny seza fiandrianan'ny fanjakanao aho, araka ny nolazaiko tao amin'ny fanekena iray tamin'ny Davida rainao, rehefa nilaza Aho hoe: 'Tsy ho foana amin'ny taranakao ny ho mpanapaka eo amin'Israely.' 19 Fa raha mivadika ianao, ka mahafoy ireo lalàko sy ireo didiko izay napetrako teo anoloanao, ary raha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo amin'izy ireny ianao, 20 dia ho fongoriko hiala amin'ny taniko izay nomeko azy ireo ireny. Ity trano izay natokako ho amin'ny anarako ity, dia hariako tsy ho eto anatrehako, ary hataoko ho ohabolana sy vazivazy eo amin'ireo olona rehetra izany. 21 Na dia efa tsara tarehy tokoa aza ity tempoly ity izao, dia ho tohina sy hisioka izay rehetra manavatsava izany. Hanontany izy ireo hoe: 'Nahoana Yaveh no nanao izao tamin'ity tany ity sy tamin'ity trano ity?' 22 Ny hafa hamaly hoe: 'Satria izy ireo nahafoy an'i Yaveh, Andriamanitr'izy ireo, izay nitondra ny razamben'izy ireo hiala avy tamin'ny tany Egypta, ary nihazona ireo andriamani-kafa sy niankohoka tamin'izy ireo sy nanompo azy ireo. Izany no antony nitondran'i Yaveh izao loza rehetra izao eo amin'izy ireo.'"
Ity dia fihetsim-pivavahana. D.H: "nampiondrika ny lohany nikasika tamin'ny rarivato izy ireo."
D.H: "fahatokisan'Andiramananitra" na "efa nampanantena ny hitia an'ny vahoakan'Israely mandrakizay Andriamanitra."
D.H: "nitsangana teny amin'ny toerana voatondro ny tsirairay."
D.H: "tsy hay hitazomana ireo fanatitra dorana"
tonga ny olona rehetra avy amnin'ireo Israely.
anran-toerana.
Ity dia vondrom-pivavahana miavaka.
andro fahatelo amby roapolon'ny volana fahafito- Ity dia andro faha fito ao amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahatelo amby roapolon'ny dia manakaiky ny tapaky ny volana Oktobra amin'ny tetiandro tandrefana.
Ny teny "hafaliana" sy "ravoravo" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Namafisin'izy ireo miaraka ny hamafin'ny hafaliana. D.H: "amin'ny fo feno hafaliana."
"novitàny"
D.H: "efa nalahatro ny vavakao."
D.H: "nitsahatra ny orana"
Ny teny "tany" dia mdika fonenan'ireo zava-maniry sy vokatra."
D.H: "mitady an'Andriamanitra" na "miezaka mahazo an'Andriamanitra mba henon'Andriamnitra anao"
Ny teny "maso" sy "sofina" dia maneho an'Andriamanitra, izay misafidy hijery sy hiaino ny vavak'izy ireo. D.H: "Hahita azy ireo aho ary hiaino"
"Ry fitiavako, fandinihana tsara, sy fiarovana"
D.H: "Raha mankatò Ahy tahaka, ny nataon'i Davida rainao ianao"
D.H: "Azoko antoka fa ho mpanjaka mandrakizay ireo taranakao,"
D.H: "Hoasoriko amin'ny taniko izy ireo." Mampitaha ny zava-maniry amin'ny fakany avy amin'ny tany, ny amin'ny fanasoran'Andriamanitra ny vahoakan'Israely amin'ny taniny. Ny vokany dia faharavan'ny firenena sy ny alahelon'Israely.
1 Nony afaka ny roa-polo taona, nandritry ny nanamboaran'i Solomona ny tranon'i Yaveh sy ny tranony manokana, 2 dia namboarin'i Solomona indray ireo tanàna izay nomen'i Hirama azy, ary napetrany tao ny vahoakan'Israely. 3 Nanafika an'i Hamata-zoba i Solomona ary nandresy izany. 4 Ary izy nanangana an'i Tadmora tany an'efitra, sy ireo tanàna fitehirizana rehetra, izay naoriny tao Hamata. 5 Nanangana an'i Beti-horona Ambony, sy Beti-horona Ambany, tanàna voaaro amin'ny manda, sy vavahady, ary fefy vy ihany koa izy. 6 Nanangana an'i Baleta sy ireo tanàna fitehirizana rehetra izay nananany izy, sy ny tanàna rehetra ho an'ireo kalesiny sy ny tanàna ho an'ireo mpitaingin-tsoavaliny, sy izay rehetra niriany atsangana araka izay tiany tao Jerosalema, tao Libanona, sy tao amin'ireo tany rehetra ambany fifehezany. 7 Ary ireo olona rehetra izay sisa tavela avy tamin'ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita, sy ny Jebosita, izay tsy an'Israely, 8 ireo taranany sisa tavela taorian'izy ireo tany amin'ny tany, izay tsy naringan'ny vahoakan'Israely— dia nataon'i Solomona mpiasa an-terivozona, izany izy ireo mandrak'ankehitriny. 9 Na izany aza, tsy nataon'i Solomona ho mpiasa an-terivozona ny vahoakan'Israely. Fa kosa, tonga miaramilany, sy mpifehiny, manam-pahefany, ary mpifehy ny tafiky ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny izy ireo. 10 Ireo ihany koa no manam-pahefana lehibe mpandrindra ireo mpanaramaso izay an'i Solomona Mpanjaka, 250 tamin'izy ireo, no nanaramaso ny vahoaka izay nanao ny asa. 11 Nentin'i Solomona nivoaka ny tanànan'i Davida ho any amin'ny trano izay namboariny ho azy ny zanaka vavin'i Farao, fa hoy izy hoe: "Tsy mahazo mitoetra ao an-tranon'i Davida mpanjakan'Israely ny vadiko, satria na aiza na aiza nihavian'ny fiaran'i Yaveh dia masina." 12 Avy eo Solomona nanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh teo amin'ny alitarany izay naoriny teo anoloan'ny lavarangana. 13 Nanolotra sorona arak'izay notakian'ny fanao isan'andro izy; nanolotra ireo izy, nanaraka ireo torolalana hita tanatin'ny didin'i Mosesy, tamin'ny andro Sabata, ny volana vaovao, sy tamin'ny andro firavoravoana voatondro in-telo mian-taona: dia ny andro Firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Masirasira, ny Herinandro Firavoravoana, ary ny andro Firavoravoan'ny Fialofana. 14 Tamim-pitandremana ireo lalàn'i Davida rainy, no nanondroan'i Solomona ireo mpisorona ho amin'ny asany, ary ireo Levita ho amin'ny fitoerany, mba hidera an'Andriamanitra sy hanompo eo anoloan'ireo mpisorona, araka izay takian'ny fanao isan'andro. Ary nanendry ireo mpiandry vavahady tamin'ny fizaràny isaky ny vavahady rehetra ihany koa izy, fa izany no efa nandidian'i Davida, ilay lehilahin'Andriamanitra. 15 Ary ireo vahoaka ireo dia tsy mba nivily tamin'ireo didin'ny mpanjaka tamin'ireo mpisorona sy ireo Levita na tamin'inona na tamin'inona, na mahakasika ireo trano fitehirizana. 16 Ireo asa rehetra nampanaovin'i Solomona dia tontosa avokoa, hatramin'ny andro nanorenana ny fanambanin'ny tranon'i Yaveh ka mandra-pahavitan'izany. Vita ny tranon'i Yaveh. 17 Avy eo Solomona nankany Ezion-gebera sy Elota, teny amoron-dranomasin'ny tany Edoma. 18 Ary nandefasan'i Hirama sambo nentin'ireo manam-pahefana izay tantsambo nanana traikefa izy. Niantsambo niaraka tamin'ireo mpanompon'i Solomona ho any Ofira izy ireo. Naka talenta volamena 450 avy any izy ireo izay nentiny tany amin'i Solomona Mpanjaka.
D.H: "20 taona ati aoriana."
Anaran'olona.
Nampiseho ny fiadivan'ny tafiny manontolo i Solomona. D.H: "Ny tafik'i Solomona nanafika an'i Hamata-zoba"
Tanàna any Syria.
D.H: "izay nitoetra tany amin'ny tany"
D.H: "andevo"
Ity dia maneho ilay fotoana izay nahavoasoratra ny bokin'ny tantara 2.
Ity dia lavarangana voafefy na lalan-kely manohana ny andry, mipetaka amin'ny trano.
D.H: "araka ny lalàn'i Mosesy fanao isan'andro"
D.H: "nanaraka ireo lalàna ny olona"
1 Rehefa nandre ny lazan'i Solomona ny mpanjaka vavin'i Sheba, dia nakany Jerosalema izy mba hitsapa azy amin'ny fanontaniana sarotra. Nandeha niaraka tamin'ny mpanao rodobe lava dia lava, sy rameva nampilanjaina zava-manitra, volamena maro be, ary vatosoa sarobidy maro izy. Rehefa tonga tany amin'i Solomona izy, dia nambarany taminy avokoa izay rehetra tao am-pony. 2 Novalian'i Solomona avokoa ireo fanontaniany rehetra; tsy dia nisy sarotra loatra ho an'i Solomona; tsy nisy fanontaniana izay tsy voavaliny. 3 Rehefa hitan'ny mpanjaka vavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona sy ny lapa izay efa naoriny, 4 ny sakafo teo ambony latabany, ny fipetran'ireo mpanompony, ny asan'ireo mpanompony ary ny fitafian'izy ireo, ireo mpitondra kapoakany sy fitafiany ihany koa, ary ny fomba izay nanolorany ny fanatitra dorana tao an-tranon'i Yaveh, dia tsy nisy fanahy intsony tao aminy. 5 Dia hoy izy tamin'ny mpanjaka hoe: "Marina tokoa, ny tatitra izay reko tany amin'ny taniko momba ireo teninao sy ny fahendrenao. 6 Tsy nino izay reko aho ambara-pahatongavako teto, ary ankehitriny dia hitan'ny masoko izany. Tsy antsasany akory no nolazaina tamiko momban'ny fahendrenao sy ny harenao! Nihoaranao ny laza izay reko. 7 Endrey sambatra ny vahoakanao, ary sambatra ireo mpanomponao izay efa teo anatrehanao foana, satria mandre ny fahendrenao izy ireo. [1]8 Isaorana anie Yaveh Andriamanitrao, izay faly nandray anao, izay nametraka anao teo amin'ny seza fiandrianany, mba ho mpanjaka ho an'i Yaveh Andriamanitrao. Satria ny Andriamanitrao efa nitia an'Israely, mba hametrahana azy ireo mandrakizay, dia nataony ho mpanjaka teo amin'izy ireo ianao, mba hanaovanao ny rariny sy fahamarinana!" 9 Nomeny talenta volamena 120 ny mpanjaka ary zava-manitra sy vato sarobidy maro. Tsy nisy fatran-java-manitra maro noho ireo izay nomen'ny mpanjaka vavin'i Seba ho an'i Solomona Mpanjaka mbola nomena ho azy indray. 10 Ireo mpanompon'i Hirama sy ireo mpanompon'i Solomona, izay nitondra volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato sarobidy ihany koa. 11 Tamin'ny hazo almoga, dia nanao dingana ho an'ny tranon'Andriamanitra sy ny tranony ny mpanjaka, ary koa harpa sy lokanga ho an'ireo mpitendry. Tsy mbola nisy hazo toy izany ka hita tany amin'ny tanin'ny Joda tany aloha. 12 Dia nomen'i Solomona Mpanjaka ireo zavatra izay niriany ny mpanjaka vavin'i Sheba, na inona na inona nangatahany, ho fanampin'izay efa nentiny tamin'ny mpanjaka. Koa dia lasa izy ary niverina tany amin'ny taniny, izy sy ireo mpanompony. 13 Ary ny lanjam-bolamena tonga tany amin'i Solomona tao anatin'ny herintaona dia talenta volamena 666, 14 ankoatra ny volamena izay nentin'ireo mpiserasera sy ireo mpandranto. Ireo mpanjakan'i Arabia rehetra sy ireo governora tao amin'ny firenena ihany koa dia nitondra volamena sy volafotsy ho an'i Solomana. 15 Nanamboatra apinga volamena voafantina lehibe roanjato i Solomona Mpanjaka. Sekely volamena eninjato nomena ho an'ny tsirairay. 16 Nanamboatra apinga volamena voafantina telonjato ihany koa izy. Mina volamena telo no nanaronana ny apinga tsirairay; napetraky ny mpanjaka tao amin'ny Lapan'ny Alan'i Libanona ireo. 17 Avy eo ny mpanjaka nanamboatra seza fiandrianana ivoara lehibe ary nopetahiny takela-bolamena tena manify indrindra izany. 18 Dingana enina no nankeo amin'ny seza fiandrianana, ary boribory ny tao aorian'ny tampon'ny seza fiandrianana. Nisy fitehenan-tanana teo amin'ny andanin'ny fipetrahana tsirairay, ary nisy liona roa nijoro teo amin'ireo andanin'ny fitehenan-tanana. 19 Liona roa ambin'ny folo no nijoro teo amin'ireo dingana, iray isaky ny andanin'ny isaky ny dingana enina. Tsy mbola nisy seza fiandrinana toy ity tany amin'ny fanjakàna hafa. 20 Volamena avokoa ireo kapoaka fisotroan'i Solomona Mpanjaka, ary ny kapoka fisotroana rehetra tao amin'ny Tranon'ny Alan'i Libanona dia volamena tsy mifangaro avokoa. Tsy nisy volafotsy satria tsy noheverina ho sarobidy ny volafotsy tamin'ny andron'i Solomona. 21 Ny mpanjaka dia nanana sambo mpandeha an-dranomasina, niaraka tamin'ireo sambon'i Hirama. Indray mandeha isan-telo taona no nitondran'ny sambo volamena, volafotsy, ary ivoara, mbamin'ireo rajako sy gidro. 22 Noho izany dia nihoatra ireo mpanjaka rehetra eran'izao tontolo izao tamin'ny harena sy fahendrena i Solomona Mpanjaka. 23 Izao tontolo izao dia nitady ny fanatrehan'i Solomona mba handre ny fahendreny, izay efa napetrak'Andriamanitra tao am-pony. 24 Ireo izay nitsidika dia nitondra rakitra, fanaka volafotsy sy volamena, fitafiana, fiarovana, ary zava-manitra, ary soavaly sy apondra, isan-taona. 25 Nanana fihinanam-bilona efatra arivo ho an'ireo soavaly sy ireo kalesy i Solomona, ary mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay natobiny tao amin'ny tanànan'ny kalesy sy niaraka taminy tany Jerosalema. 26 Nanapaka teo amin'ireo mpanjaka rehetra hatrany amin'ny Ony Eofrata ka hatrany amin'ny tanin'ny Filistina izy, ary hatrany amin'ny sisin-tanin'i Egypta. 27 Nanana volafotsy tany Jerosalema ny mpanjaka, betsaka noho ireo vatosoa teny amin'ny tany. Nanamboatra hazo sedera betsaka noho ireo hazo amontana aviavy izay tao amin'ny tany lemaka izy. 28 Nitondra soavaly ho an'i Solomona avy any Egypta sy avy any amin'ny tany rehetra izy ireo. 29 Ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Solomona, voalohany sady farany, tsy efa voasoratra tao amin'ny Tantaran'i Natana mpaminany, tao amin'ny Faminanian'i Ahija ilay Silonita, sy tao amin'ny Fahitan'Ido mpahita mahakasika an'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata ve izany? 30 Nanjaka teo amin'Israely rehetra nandritry ny efapolo taona i Solomona. 31 Nody mandry niaraka tamin'ireo razambeny izy ary ny vahoaka nandevina azy tany amin'ny tanànan'i Davida rainy. Rehoboama, zanaka lahiny, no tonga mpanjaka nandimby ny toerany.
Itan'i Sheba ny zavatr'i Solmona rehetra.
Ireo dia mpanompo nanandrana fisotroana teo anatrahan'ny mpanjaka manao fanandramana poizina amin'izany.
D.H: "tsy feno avonavona intsony izy"
D.H: "efa hitako amin'ny tenako izany."
D.H: "hendry dy manan-karena fara-tampony ianao."
D.H: "izay miandry ny didinao amin'ny fanatrehanao"
D.H: "izay faly taminao"
Ny mpanjakan'i Tyra.
toerana tsy fantatra ho an'izany volamena izany.
Ity dia karazan-kazo.
"nanamboatra volamena eninjato sekely izy ireo."
Ity dia tahaka ny toerana fitahirizana akaikin'ny lapa tamin'ny ampahan-kazo lehibe avy any Libanaona. Afaka antsoina ihany koa hoe trano fitahirizam-piadiana.
Ity dia anarana hafa amin'ny nifim-biby maranitra na tandroka biby, tahaka ny elefanta na rinoserosy.
D.H: "boribory aoriana ny tampon'ny seza fiandrianana izay hipetrahan'ny mpanjaka"
Niroborobo ny volafotsy tamin'ny andron'i Solomona izay tsy dia nisy lanjany.
Biby avy any lavitra indrindra, toy ny any Afrika.
D.H: "izay omen'Andriamanitra"
D.H: "isan-taona"
Ity dia fefy kely hitazomana ireo soavaly
D.H: "volafotsy maro be"
D.H: "maro be"
D.H: "avy amin'ny manodidina rehetra" na "avy amin'ireo rehetra"
1 Nankany Sekema i Rehoboama, satria tonga tany Sekema mba hanao azy ho mpanjaka ny Israely rehetra. 2 Ary ren'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata izany (satria tany Egypta izy, tany amin'izay efa nandosirany hiala teo amin'ny fanatrehan'i Solomona Mpanjaka, nefa efa niverina avy any Egypta i Jeroboama). 3 Koa nandefa sy nampiantso azy izy ireo, ary tonga Jeroboama sy ny Israely rehetra; niresaka tamin'i Rehoboama izy ireo ka nanao hoe: 4 "Nanasarotra ny zioganay ny rainao. Koa ankehitriny, hamoray ny asa mafin'ny rainao, ary hamaivano ny zioga mavesatra izay napetrany teto aminay, dia hanompo anao izahay." 5 Hoy Rehoboama tamin'izy ireo hoe: "Miverena indray eto amiko afaka telo andro." Ka dia lasa ireo vahoaka. 6 Naka hevitra tany amin'ireo zokiolona izay nitsangana teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony i Rehoboama mpanjaka; hoy izy hoe: "Ahoana no hanoroanareo hevitra ahy mba hitondrako valin-teny eo amin'ireo vahoaka ireo?" 7 Niresaka taminy izy ireo ka niteny hoe: "Raha tsara amin'ireo vahoaka ireo ianao ary mahafinaritra azy ireo, ary milaza teny tsara amin'izy ireo, dia ho mpanomponao mandrakizay izy ireo." 8 Kanefa tsy norarahian'i Rehoboama ny torohevitra izay nomen'ireo zokiolona azy, ary naka hevitra tany amin'ireo tovolahy izay niara-lehibe taminy izy, izay nitsangana teo anatrehany. 9 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Inona no torohevitra homenareo ahy, mba hahafahantsika mamaly ny vahoaka izay niresaka tamiko ka niteny hoe: 'Hamaivano ny zioga izay napetraky ny rainao taminay'?" 10 Ireo tovolahy niara-lehibe tamin'i Rehoboama niteny taminy, nanao hoe: "Toy izao no tokony havalinao ireo vahoaka izay nilaza taminao fa i Solomona rainao dia nampavesatra ny ziogan'izy ireo, ka tokony hamaivaninao izany. Izao no tokony ho lazainao azy ireo: 'Ny ankihikeliko dia matevina noho ny andilan-draiko. 11 Koa ankehitriny, na dia novesarin'ny raiko tamin'ny zioga mavesatra aza ianareo, dia mbola hanampy ny zioganareo aho. Ny raiko nanasazy anareo tamin'ireo karavasy, fa izaho hanasazy anareo amin'ireo maingoka."' 12 Ka dia nandeha nankany amin'i Rehoboama i Jeroboama sy ny vahoaka rehetra tamin'ny andro fahatelo, araka ny nolazain'ny mpanjaka hoe: "Miverena aty amiko amin'ny andro fahatelo." 13 Niteny mafy azy ireo i Rehoboama, tsy niraharaha ny torohevitr'ireo zokiolona. 14 Nilaza tamin'izy ireo araka ny toro-hevitr'ireo tovolahy izy, nanao hoe: "Nanavesatra ny zioganareo ny raiko, fa izaho hanampy izany. Ny raiko nanasazy anareo tamin'ny karavasy, fa izaho hanasazy anareo amin'ny maingoka." 15 Noho izany dia tsy nohenoin'ny mpanjaka ny vahoaka, fa izany dia fanovàna tamin'ireo tranga nentin'Andriamanitra, mba hahafahan'i Yaveh manatanteraka ny teniny izay nolazain'i Ahia ilay Silonita tamin'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata. 16 Rehefa hitan'Israely rehetra fa tsy nihaino azy ireo ny mpanjaka, dia namaly azy ny vahoaka ka niteny hoe: "Inona no anjaranay amin'i Davida? Tsy manana lova ao amin'ny zanaka lahin'i Jese izahay! Ny tsirairay aminareo dia tokony hiverina any an-dainy avy, ry Israely. Ary jereo ny tranonao, ry Davida." Koa dia niverina ho any an-dainy avy ny Israely rehetra. 17 Fa raha ny amin'ireo olona nonina tany amin'ireo tanànan'i Joda, dia i Rehoboama no nanjaka teo amin'izy ireo. 18 Ary Rehoboama Mpanjaka nandefa an'i Adorama, izay nanapaka teo amin'ireo mpanao asa an-terivozona, nefa ny vahoakan'Israely nitora-bato azy ho faty. Ary nitsoaka faingana tamin'ny kalesiny ho any Jerosalema i Rehoboama mpanjaka. 19 Noho izany dia tao anatin'ny fikomiana nanohitra ny taranak'i Davida ny Israely mandrak'androany.
"ny olona rehetra amin'ny firenen'Israely"
D.H: "tsy nanaraka ny torohevitra i Rehoboam"
Ny "tovolahy" dia maneho ny tsy fahampian'ny fahendrena sy traikefa amin'ny fampitahana amin'ny lahy antitra izay nanoro hevitra an'i Solomona.
izay efa namany efa ela, nanoro hevitra aminy
Hevitr'i Rehoboama dia feno hasarotana sy fangatahana noho ny rainy.
D.H: "fa hikaravasy anao amin'ny karavasy aho izay poto-by azy ireo."
D.H: "ireo mpitarika rehetra."
"tsy maniry zavatra atao miaraka amin'ity taranak'i Davida mpanjaka ity izahay!"
1 Rehefa tonga tany Jerosalema i Rehoboama, dia nangoniny ny taranak'i Joda sy Benjamina, lehilahy miaramila voafidy 180 000, mba hiady amin'Israely, mba hamerina amin'ny laoniny ny fanjakana ho an'i Rehoboama. 2 Kanefa tonga tamin'i Semaia ilay lehilahin'Andriamanitra ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 3 "Lazao i Rehoboama zanaka lahin'i Solomona, mpanjakan'i Joda, sy ny Israely rehetra any Joda sy Benjamina hoe: 4 'Izao no lazain'i Yaveh: "Aza manafika na manangana ady amin'ireo rahalahinareo ianareo. Ny olona rehetra dia tsy maintsy miverina any amin'ny fonenany avy, fa Izaho no efa nampitranga izany.'" Koa dia nankatò ny tenin'i Yaveh izy ireo ka niverina tsy ho amin'ny fanafihana an'i Jeroboama. 5 Nonina tao Jerosalema i Rehoboama ka nanangana tanàna tao Joda ho fiarovana. 6 Nanangana an'i Betlehema, Etama, Tekoa, 7 Beti-zoro, Soko, Adolama, 8 Gata, Maresaha, Zifa, 9 Adoraima, Lakisy, Azeka, 10 Zora, Aialona, ary Hebrona izy. Ireo no tanàna mimanda tany Joda sy Benjamina. 11 Nanamafy ireo manda izy ka nametraka mpifehy tao amin'ireo, niaraka tamin'ny fitoeran-tsakafo, diloilo, ary divay. 12 Nametraka apinga sy lefona tany amin'ny tanàna rehetra izy ka nanamafy ireo tokoa. Ka dia lasany i Joda sy Benjamina. 13 Ireo mpisorona sy ireo Levita izay tao amin'Israely rehetra dia nanatona azy avy tao amin'ireo fari-taniny. 14 Fa ireo Levita niala tamin'ireo tany fihinanam-bilony sy ny trano sy tanin'izy ireo mba hankanesana any Joda sy Jerosalema, satria efa noroahin'i Jeroboama sy ireo zanaka lahiny izy ireo, mba tsy hahafahan'izy ireo manao ireo adidy amin'ny maha- mpisorona ho an'i Yaveh intsony. 15 Jeroboama dia nanendry mpisorona ho azy ho amin'ireo fitoerana avo sy osy ary sarin-janak'omby izay efa namboariny. 16 Ny vahoaka avy tamin'ireo fokon'Israely rehetra dia tonga taorian'izy ireo, ireo izay nanefy ny fony hitady an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely; tonga tao Jerosalema izy ireo mba hanao sorona ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo. 17 Koa dia nohamafisin'izy ireo ny fanjakan'i Joda ary nanamafy an'i Rehoboama zanaka lahin'i Solomona nandritry ny telo taona, ka nandeha tamin'ny lalan'i Davida sy Solomona nandritry ny telo taona izy ire. 18 Naka vady ho azy Rehoboama: dia i Mahalota, ilay zanaka vavin'i Jerimota, zanaka lahin'i Davida, sy Abihaila, ilay zanaka vavin'i Eliaba, zanaka lahin'i Jese. 19 Niteraka zanaka lahy taminy izy: dia i Jeosy, Semaria, ary Zahama. 20 Taorian'i Mahalota, dia naka an'i Maka, zanaka vavin'i Absaloma, i Rehoboama; niteraka an'i Abia, Atahy, Ziza, ary Selomita taminy izy. 21 Rehoboama nitia an'i Maka, zanaka vavin'i Absaloma, nihoatra ireo vadiny hafa sy ireo vaditsindranony rehetra (naka vady vehivavy valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy, ka lasa rain'ny zanaka lahy valo amby roapolo sy zanaka vavy enim-polo). 22 Rehoboama nanendry an'i Abia zanaka lahin'i Maka ho lehibe, mpitarika eo amin'ireo rahalahiny; efa nanan-kevitra ny hanao azy ho mpanjaka izy. 23 Nanapaka tamim-pahendrena i Rehoboama; nampiely ireo zanany lahy rehetra nanerana ny tanin'i Joda sy Benjamina rehetra ho any amin'ny tanàna mimanda rehetra izy. Nanome sakafo be ho azy ireo ihany koa izy ary nitady vady maro be ho azy ireo.
D.H: "ny tafiny tsara indrindra"
"nilaza ny teniny i Yaveh"
Teo amin'ny fifehezam-paritr'i Joda sy Benjamina i Rehoboama.
D.H: "Nandositra an'Israely ireo mpisorona sy ireo Levita, avaratry ny fanjakana makany Joda."
Tany hampiasaina ho an'ny biby.
Ireo vahoaka avy amin'ireo foko dia an'ny fanjakana tavaratra izay nanompony tompo Andriamanitra nitsoaka tamin'ny Jody.
D.H: "izay naniry ny hanompo an'i Yaveh."
D.H: "nanaraka ny fanoharan'i Davida sy i Solomona nandritry ny telo taona izy ireo.
1 Ary tamin'izany, rehefa tafapetraka ny fanjakan'i Rehoboama ary natanjaka izy, dia nahafoy ny lalàn'i Yaveh—sy ny Israely rehetra niaraka taminy izy. 2 Nitranga izany tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Rehoboama mpanjaka, fa i Sisaka, mpanjakan'i Egypta, niakatra hanohitra an'i Jerosalema, satria namadika an'i Yaveh ny vahoaka. 3 Tonga niaraka tamin'ny kalesy roan-jato sy arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy. Miaramila tsy hita isa no tonga niaraka taminy avy tany Egypta: ireo Lobita, Sokita, ary ireo Etiopiana. 4 Nalainy ireo tanàna voaaro mafy izay an'i Joda ary nankany Jerosalema. 5 Ary Semaia mpaminany tonga tany amin'i Rehoboama sy ireo mpitarika an'i Joda izay niara-nivondrona tao Jerosalema noho i Sisaka. Hoy Semaia tamin'izy ireo hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: Ianareo efa nahafoy ahy, ka dia efa natolotro ho eo an-tanan'i Sisaka ihany koa ianareo." 6 Dia nanetry tena ireo andriandahin'Israely sy ny mpanjaka ary nanao hoe: "Marina i Yaveh." 7 Ary rehefa hitan'i Yaveh fa nanetry tena izy ireo, dia tonga tamin'i Semaia ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: "Efa nanetry tena izy ireo. Tsy handringana azy ireo Aho; fa hamonjy azy ireo amin'ny fandringanana, ary tsy hilatsaka eo amin'i Jerosalema amin'ny alalan'ny tanan'i Sisaka ny hatezerako. 8 Na izany aza, dia ho mpanompony izy ireo, mba hahatakaran'izy ireo hoe ahoana izany manompo Ahy sy manompo ireo mpitondra ireo firenen-kafa izany." 9 Ary Sisaka, mpanjakan'i Egypta niakatra hanohitra an'i Jerosalema ka naka ireo harena tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo harena tao an-tranon'ny mpanjaka. Nalainy avokoa ny zavatra rehetra; nentiny ihany koa ireo apinga volamena izay nataon'i Solomona. 10 Nanao apinga varahina teo an-toeran'ireo i Rehoboama Mpanjaka ary nanankina ireo teo an-tanan'ireo mpifehy ny mpiambina, izay niambina ireo varavaran'ny tranon'ny mpanjaka. 11 Nitranga izany isaky ny niditra tao an-tranon'i Yaveh ny mpanjaka, ka nitondra izany ireo mpiambina; avy eo izy ireo nitondra izany niverina tany amin'ny trano fiambenana. 12 Rehefa nanetry tena i Rehoboama, dia niala taminy ny hatezeran'i Yaveh, mba tsy handringanana azy tanteraka; ankoatran'izany, mbola nisy fahatsarana hita ihany tao amin'i Joda. 13 Ary Rehoboama Mpanjaka nitondra hery ho an'ny fanjakany tao jerosalema, dia toy izany no nanjakany. Iraika amby efa-polo taona Rehoboama raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritry ny fito ambin'ny folo taona tao Jerosalema, ilay tanàna izay nofidian'i Yaveh tamin'ny fokon'Israely rehetra izy mba hahafahany mametraka ny anarany ao. Ny anaran-dreniny dia Nama, ilay Amonita. 14 Nanao izay ratsy izy, satria tsy nanefy ny fony mba hitady an'i Yaveh. 15 Ary ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Rehoboama, voalohany sady farany, moa ve ireny tsy efa voasoratra ao amin'ny asa soratr'i Semaia mpaminany sy Ido ilay mpahita, izay manana ny firaketana an-tsoratra ireo tetiharana ihany koa ary ireo ady lava teo amin'i Rehoboama sy Jeroboama? 16 Nodi-mandry tany amin'ireo razambeny i Rehoboama ary nalevina tao an-tanànan'i Davida; Abia zanany lahy no tonga mpanjaka teo amin'ny toerany.
"Ary tamin'izany" fomba fijery iray ao ami'ny tantara. D.H: "ary indrandra rehefa"
D.H: "ary ny Israely sy ny Joda mitambatra dia nanaraka azy tamin'ny fahotana." Nampiditra an'Israely ihany koa i Joda.
D.H: "tonga hanafika"
D.H: "Miaramila maro"
D.H: "koa efa natolotro an'i Sisaka tahaka ny babo ianareo"
D.H: "Ireo mpanjaka sy ireo mpitarika hafa an'Israely dia nanetry tena," -Ny mpanjaka sy ireo mpitarika hafa dia manamarika ireo vahoakan'Israely rehetra.
"Milaza ny teniny Yaveh."
D.H: "hanavotra azy ireo amin'ny fahapotehina tanteraka aho"
D.H: "Tsy hampiseho ny hatezrerako amin'ny Jerosalema aho"
D.H: "nanome ireo tamin'ny mpifehy"
manamarika fotoana miavaka ny heviny ao amin'ny tantara izany.maro ny karazam-potoana manamarika ny hevin'izany andian-teny izany.
D.H: "Tsy tezitra aminy intsony i Yaveh, na, tsy nandrava azy tanteraka"
"fanampin'izany"
D.H: "mba afahany mankatoa any foana."
D.H :" tsy nanam-paniriana sy hery hankatoavana an'i Andriamanitra izy"
1 Tamin'ny taona fahavalo nanjakan'i Jeroboama Mpanjaka, dia nanomboka nanjaka teo amin'i Joda i Abia. 2 Nanapaka nandritry ny telo taona tany Jerosalema izy; Maka no anaran-dreniny, ilay zanaka vavin'i Oriela avy any Gibea. Nisy ady teo amin'i Abia sy Jeroboama. 3 Abia nandeha niady niaraka tamin'ny tafika matanjaka iray, dia miaramila mahery fo, lehilahy voafidy 400 000. Ary Jeroboama nandahatra lehilahy voafidy, matanjaka, miaramila mahery fo 800 000 hiady hanohitra azy. 4 Nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay tao amin'ny tany havoan'i Efraima i Abia, ary nanao hoe: "Henoy aho, ry Jeroboama sy ry Israely rehetra! 5 Tsy fantatrareo ve fa Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, no nanome an'i Davida ny fanapahana teo amin'Israely mandrakizay, dia ho azy sy ireo zanany lahy tamin'ny fanekena ara-dalàna? 6 Nefa Jeroboama zanaka lahin'i Nebata, ilay mpanompon'i Solomona zanaka lahin'i Davida, dia efa nitsangana ary nikomy nanohitra ny tompony. 7 Ireo lehilahy tsy mendrika, ireo namana ratsy fitondran-tena, no nikambana taminy. Tonga hanohitra an'i Rehoboama zanaka lahin'i Solomona izy ireo, fony mbola tanora sy tsy nanana traikefa ary tsy nahavita nanohitra azy ireo i Rehoboama. 8 Ankehitriny ianareo miteny fa mahatohitra ny fitondrana maherin'i Yaveh eo an-tanan'ireo taranak'i Davida. Tafika lehibe ianareo, ary miaraka aminareo ireo zanak'omby volamena izay nataon'i Jeroboama ho andriamanitra ho anareo. 9 Tsy efa nandroaka ireo mpisoron'i Yaveh, dia ireo taranak'i Arona, sy ireo Levita ve ianareo? Tsy efa nanao mpisorona ho an'ny tenanareo tamin'ny fomban'ireo mponin'ny tany hafa ve ianareo? Na iza na iza tonga manamasin-tena miaraka amin'ny zanak'omby sy ondrilahy fito dia ho lasa mpisoron'ireo izay tsy andriamanitra anie izy. 10 Fa raha ny aminay, Yaveh no Andriamanitray, ary tsy mbola nahafoy Azy izahay. Manana mpisorona izahay, taranak'i Arona, manompo an'i Yaveh, sy ireo Levita, izay amin'ny asan'izy ireo. 11 Isa-maraina sy isan-kariva dia mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo mani-pofona ho an'i Yaveh izy ireo. Mandamina ny mofon'ny fanatrehana eo amin'ny latabatra madio ihany koa izy ireo; mikarakara ny fitoeran-jiro volamena mbamin'ireo jirony ihany koa izy ireo, mba harehitra isan-kariva. Mitandrina ireo didin'i Yaveh, Andriamanitray izahay, nefa ianareo nahafoy Azy. 12 Indro, Andriamanitra dia miaraka aminay eo anoloanay, ary ireo mpisorony dia eto miaraka amin'ny trompetra mba hampanenoana fanairana ho anareo. Ry vahoakan'Israely, aza miady amin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razambenareo, fa tsy hahomby ianareo." 13 Kanefa Jeroboama nanomana famelezana tampoka taorian'izy ireo; teo anoloan'i Joda ny tafiny, ary taorian'izy ireo ny otrika. 14 Rehefa nitodika i Joda, dia indro, sady teo anoloan'izy ireo no tao aoriany ny ady. Nitaraina tamin'i Yaveh izy ireo, ary nitsoka ny trompetra ireo mpisorona. 15 Dia nitifitra ireo lehilahin'i Joda; raha iny nitifitra iny izy ireo, dia namely an'i Jeroboama sy ny Israely rehetra teo anoloan'i Abia sy Joda i Andriamanitra. 16 Nandositra teo anoloan'i Joda ny vahoakan'Israely, ary natolotr'Andriamanitra teo an-tanan'i Joda izy ireo. 17 Novonoin'i Abia sy ny tafiny tamin'ny famonoana lehibe izy ireo; ka lehilahy voafidy 500 000 tamin'Israely no lavo ka maty. 18 Tamin'izany fomba izany, no nandresen'ny vahoakan'Israely tamin'izany fotoana izany; nandresy ny vahoakan'i Joda satria niankina tamin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambeny izy ireo. 19 Nenjehin'i Abia i Jeroboama; nalainy taminy ireo tanàna: dia i Betela niaraka tamin'ireo zana-bohiny, Jesana niaraka tamin'ireo zana-bohiny, ary Efrona niaraka tamin'ireo zana-bohiny. 20 Tsy nihanahery intsony Jeroboama nandritry ny andron'i Abia; namely azy i Yaveh, ka maty izy. 21 Fa Abia kosa nihanatanjaka; naka vady efatra ambin'ny folo izy ary niteraka roa amby roapolo lahy sy enina ambin'ny folo vavy. 22 Ny ambin'ireo asa lehibe vitan'i Abia, ny fitondran-tenany sy ireo teniny dia voasoratra ao amin'ny fanehoan-kevitr'i Ido mpaminany.
D.H: "fantatrareo tsara... fanekena."
D.H: "ratsy, lehilahy ratsy fitondran-tena"
D.H: "nifanatona tamin'i Jeroboama"
Ity dia fampitahana amin'ireo sampy.
D.H: "Efa nandroaka ... ireo Levita ianareo."
D.H: "Efa nanao ... tany ianareo."
D.H: "ny olona izay manolotra omby lahy sy ondry lahy fito dia mety lasa mpisorona ho an'ireo zanak'omby volamena izay tsy andriamanitra."
D.H: "izay miasa"
Ny "mofon'ny fanatrehana" dia karazana mofo manokana izay natao ho famantarana ny fanatrehan an'Andriamanitra sy ny fiombonana amin'ny olony.
D.H: "mikarakara ireo jiro izy ireo"
D.H: "aza mikomy hanohitra an'i Yaveh"
D.H: "fanafihana tsy ampoizina avy aorian'ireo tafik'i Joda.
D.H: "fanafihana tsy ampoizina dia avy taorian'ireo tafik'i Joda.
D.H: "niantso mafy an'i Yaveh"
D.H: "namely Andriamanitra"
1 Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Abia, ary nalevin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida izy. 2 Asa, zanaka lahiny, no tonga mpanjaka nandimby ny toerany. Tamin'ny androny dia nangina nandritry ny folo taona ny tany. Nanao izay tsara sy marina teo imason'i Yaveh Andriamaniny i Asa, 3 satria nesoriny ireo alitara vahiny sy ireo fitoerana avo. Noravainy ireo andrim-bato ary notapahany ireo baon'Aseraha. 4 Nandidy an'i Joda izy mba hitady an'i Yaveh, Ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo, sy hanatanteraka ireo didy aman-dalàna. 5 Nesoriny ihany koa ireo fitoerana avo sy ireo alitaran'ny ditin-kazo manitra avy tamin'ireo tanànan'i Joda rehetra. Nitsahatra teo ambaniny ny fanjakana. 6 Nanangana tanàna mimanda tany Joda izy, satria nangina ny tany, ary tsy nanan'ady izy tamin'ireo taona ireo, satria nanome fiadanana azy i Yaveh. 7 Fa Asa nilaza tamin'i Joda hoe: "Aoka isika hanorina ireo tanàna ireo ary hanisy manda manodidina azy ireo, sy tilikambo, vavahady, ary hidiny lavalava; mbola antsika ny tany satria efa nitady an'i Yaveh Andriamanintsika isika. Efa nitady Azy isika, ary nanome fiadanana antsika tamin'ny lafiny rehetra Izy." Ka dia nanorina izy ireo ary nahomby. 8 Nanana tafika iray izay nihazona apinga sy lefona i Asa; avy tamin'i Joda dia nanana lehilahy 300 000 izy, ary avy tamin'ny Benjamina, lehilahy 280 000 izay nitàna apinga sy tsipìka. Natanjaka ireo rehetra ireo, lehilahy be herim-po. 9 Ary Zera ilay Etiopiana tonga nanohitra azy ireo niaraka tamin'ny tafika miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato; tonga tany Maresa izy. 10 Dia nivoaka hitsena azy i Asa, ary nandamina ny laharan'ady tany an-dohasahan'i Zefata tany Maresa izy ireo. 11 Nitalao tamin'i Yaveh, Andriamaniny i Asa, ary nanao hoe: "Ry Yaveh, tsy misy afa-tsy Ianao no hanampy izay tsy manan-kery rehefa miatrika zavatra maro izy. Ampio izahay, ry Yaveh Andriamanitray, satria miantehitra Aminao izahay, ary amin'ny Anaranao no hahatongavanay hanohitra ireo maro be ireo. Ry Yaveh, Ianao no Andriamanitray; aza avela ho resin'ny olona Ianao." 12 Ka dia namely ireo Etiopiana teo anatrehan'i Asa sy Joda i Yaveh; ka nandositra ireo Etiopiana. 13 Nanenjika azy ireo hatrany Jerara i Asa sy ireo miaramila niaraka taminy. Noho izany dia Etiopiana maro no lavo ka tsy afaka narovan'izy ireo, satria ringana tanteraka teo anatrehan'i Yaveh sy ny tafiny izy ireo. Nitondra babo maro be ny tafika. 14 Naringan'ny tafika ireo tanàna rehetra nanodidina an'i Jerara, satria tonga tamin'ireo mponina ny horohoron'i Yaveh. Nobaboin'ny tafika ireo tanàna rehetra, ka nisy babo maro tao amin'izy ireo. 15 Naringan'ireo tafika ihany koa ireo fonenan-dain'ireo mpiandry mpifindra monina; nitondra ondry maro, sy rameva izy ireo, ary avy eo niverina tany Jerosalema.
D.H: "maty i Abia"
D.H: "nandritra ny fanjakany"
D.H: "dia nisy filaminana ny tany nandrity ny folo taona"
D.H: "raha ny amin'i Yaveh."
D.H: "nananan'i Asa ireo toerana masina sy ireo alitara izay nampiasaina tamin'ny fanompoan'andriamanitra diso tao amin'ny naharavan'i Joda"
D.H: "nilaza tamin'ny vahoakan'i Joda i Asa"
D.H: "efa nangataka an'i Yaveh Andriamanitray hamonjy anay izahay"
Ity dia tanàna ao Joda.
D.H: "aza avela hisy hafa haresy ny olonao"
D.H: "maty ireo Etopiana"
1 Tonga tamin'i Azaria zanaka lahin'i Odeda ny fanahin'Andriamanitra. 2 Nivoaka hitsena an'i Asa izy ary nanao taminy hoe: "Henoy aho, ry Asa, sy Joda ary ny Benjamina rehetra: momba anareo Yaveh, raha miaraka aminy ianareo. Raha mitady Azy ianareo, dia ho hitanareo Izy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hafoiny. 3 Ary nandritry ny fotoana naharitra, dia tsy nanana ilay Andriamanitra marina ny Israely, tsy nanana mpisorona nampianatra, ary tsy nanana ny lalàna. 4 Fa rehefa nitodika tamin'i Yaveh, ilay Andriamanitr' Israely izy ireo tamin'ny androm-pahorian'izy ireo, ary nitady Azy, dia hitan'izy ireo Izy. 5 Tamin'izany fotoana izany dia tsy nisy fiadanana ho an'izay nandeha lavitra, na ho an'izay nandeha nankaty; fa kosa, fikorontanana lehibe no tamin'ireo mponin'ny tany rehetra. 6 Potipotika izy ireo, firenena nanohitra firenena, ary tanàna nanohitra tanàna, satria nampijalian' Andriamanitra tamin'ireo karazana fijaliana rehetra izy ireo. 7 Fa mahereza, ary aza avela halemy ny tananareo, fa ho valiana soa ny asanareo." 8 Rehefa ren'i Asa ireo teny ireo, ny faminanian'i Odeda mpaminany, dia nanana herim-po izy ary nanala ireo zavatra mahatsiravina hiala tamin'ny tanin'i Joda sy Benjamina rehetra, ary tamin'ireo tanàna izay babony avy tamin'ny tany havoan'i Efraima, ary namerina nanamboatra ny alitaran'i Yaveh izy, izay teo anoloan'ny lavarangan'ny tranon'i Yaveh. 9 Nangoniny ny Joda sy Benjamina rehetra, sy ireo izay nijanona niaraka tamin'izy ireo—olona avy tamin'i Efraima sy Manase, ary avy tamin'i Simeona. Fa maro an'isa izy ireo no nanatona azy avy any Israely, rehefa hitan'izy ireo fa nomba azy Yaveh Andriamaniny. 10 Noho izany dia niara-niangona tao Jerosalema izy ireo tamin'ny fahatelon'ny volana, tamin'ny faha-dimy ambin'ny folo taona nanjakan'i Asa. 11 Nanao sorona ho an'i Yaveh tamin'ny sasany tamin'ireo babo izay nentin'izy ireo tamin'izany andro izany izy ireo: omby fiton-jato sy ondry aman'osy fito arivo. 12 Nanao fifanekena mba hitady an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razambeny izy ireo, tamin'ny fon'izy ireo manontolo sy tamin'ny fanahin'izy ireo manontolo. 13 Nanaiky izy ireo fa na iza na iza nandà ny hitady an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, dia tokony vonoina ho faty, na kely na lehibe ilay olona, na lahy na vavy. 14 Nianiana tamin'i Yaveh tamin'ny feo avo, tamin'ny hiaka, sy tamin'ny trompetra ary anjomara izy ireo. 15 Niravoravo tamin'ilay fianianana ny Joda rehetra, satria nianiana tamin'ny fony manontolo izy ireo, ary nitady fatratra an'Andriamanitra, ka hitan'izy ireo Izy. Nomen'i Yaveh fiadanana ny manodidina azy ireo rehetra. 16 Nesoriny tsy ho mpanjaka vavy ihany koa Imaka, renibeny, satria nanao sarin-javatra mahatsiravina tamin'ny baon'Aseraha izy. Notapahan'i Asa ilay sarin-javatra mahatsiravina, nohitsahany ho vovoka ary nodorany teo amin'ny lohasahan-driaka Kidrona izany. 17 Kanefa ireo fitoerana avo tsy nesorina tao Israely. Na izany aza, feno fanoloran-tena tanteraka ny fon'i Asa tamin'ny androny rehetra. 18 Nentiny tao an-tranon'i Yaveh ireo zavatry ny rainy sy ireo zavany manokana izay an'i Yaveh: volafotsy sy ireo zavatra volamena. 19 Tsy nisy ady intsony hatramin'ny fahadimy amby telo-polo taona nanjakan'i Asa.
D.H: "Ny fanahin'Andriamanitra nanolotra fahaizana haminaniana tamin'i Azaria"
Nitsahatra tamin'ny fankatoavana an'Andriamanitra Israely.
D.H: "tsy nanana mpisorona mahay mampianatra azy ireo"
D.H: "Namaly ny fikarohan'Israely Azy Andriamanitra."
D.H: "nandresy tamin'ireo firenen-kafa sy ireo tanàna izy ireo."
dikan-teny maro, tafiditra amin'izany ny UDB, mamela ity andalana ity voavaky, "ny faminanian'i Azaria, zanaka lahin'i Odeda mpaminany." Ataon'izy ireo izany mba hanaovana hevim-panekena. Ireo mpandika teny dia te hampitovy azy amin'ny dikan-teniny.
D.H: "nanala ireo sampy"
D.H: "Nanampy azy Yaveh"
"Izy ireo" dia maneho ireo fokon'ny Joda sy ny Israely izay niaraka tamin'i Asa.
Ity dia volana fahatelo ao amin'ny tetiandro Hebreo. ity dia mandritra ny fiafaran'ny volona May sy fiatomboan'ny Jiona eo amin'ny tetiandro tavaratra.
"700 ... 7.000"
D.H: "marina sy tanteraka"
D.H: "tokony ho faty"
D.H: "Namaly ny fikarohan'Israely Azy Andriamanitra"
D.H: "Maro ny olona izay nitoetra tao Joda niravoravo"
D.H: "sampy iray"
D.H: "Nankatò sy nanaraka an'i Yaveh tanteraka tamin'ny fiainany manontolo izy"
1 Tamin'ny fahenina amby telopolo taona nanjakan'i Asa, i Basa, mpanjakan'Israely, dia naneho herisetra nanohitra an'i Joda ary nanangana an'i Rama, mba tsy hamelany an'iza na iza hiala na hiditra ao amin'ny tanin'i Asa, mpanjakan'i Joda. 2 Dia nitondra ny volafotsy sy volamena nivoaka ny efitrano fitehirizana tao amin'ny tranon'i Yaveh sy ny tranon'ny mpanjaka i Asa, ary nandefa izany tany amin'i Beni-hadada mpanjakan'i Syria, izay nipetraka tany Damaskosy. Hoy izy hoe: 3 "Aoka hisy fifanekena eo amiko sy aminao, toy ny nisian'izany teo amin'ny raiko sy ny rainao. Indro, nandefa volafotsy sy volamena taminao aho. Ravao ny fifanekenao amin'i Basa, mpanjakan'Israely, mba hahafahany mamela ahy irery." 4 Nihaino an'i Asa Mpanjaka i Beni-adada ka nandefa ireo mpifehy ny tafiny hanohitra ireo tanànan'Israely. Nanafika an'i Iona, Dana, Abela-maima, ary ireo tanàna fitehirizan'i Naftaly rehetra izy ireo. 5 Ary rehefa nandre izany i Basa, dia najanony ny fananganana an'i Rama, ary nampitsahatra ny asany. 6 Ary nalain'i Asa Mpanjaka niaraka taminy ny Joda rehetra. Nentin'izy ireo ny vato sy ireo hazon'i Rama izay nananganan'i Basa ny tanàna. Dia nampiasain'i Asa nanorenana an'i Geba sy Mizpa izany fitaovana fananganana izany. 7 Tamin'izany fotoana izany i Hanany mpahita nankany amin'i Asa, mpanjakan'i Joda, ka nanao taminy hoe: "Satria ianao niantehitra tamin'ny mpanjakan'i Syria, fa tsy niantehitra tamin'i Yaveh Andriamanitrao, dia nitsoaka avy eo an-tananao ny tafiky ny mpanjakan'i Syria. 8 Moa ve ireo Etiopiana sy ireo Lobita tsy tafika lehibe, miaraka amin'ny kalesy sy mpitaingin-tsoavaly tena maro? Kanefa, satria ianao niantehitra tamin'i Yaveh, dia nanome anao ny fandresena teo amin'izy ireo Izy. 9 Fa ny mason'i Yaveh dia mandeha eny rehetra eny manerana ny tany manontolo, mba hahafahany maneho ny tenany ho mahery ho an'ireo izay manana fo tonga lafatra manoloana Azy. Fa nanao adalana tamin'izany zavatra izany ianao. Koa manomboka eto, dia hanana ady ianao." 10 Ary dia tezitra tamin'ilay mpahita i Asa; nogadrainy izy, satria tezitra taminy noho izany zavatra izany izy. Tamin'izany fotoana izany ihany, dia nampahory ny sasany tamin'ireo vahoaka i Asa. 11 Indro, ireo asan'i Asa, hatramin'ny voalohany hatramin'ny farany, dia indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy Israely ireo. 12 Tamin'ny fahasivy amby telopolo taona nanjakany, dia narary ny tongotr'i Asa; nahery vaika tokoa ny aretiny. Na izany aza anefa, dia tsy nitady fanampiana avy tamin'i Yaveh izy, fa tamin'ireo mpitsabo ihany. 13 Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Asa; maty tamin'ny fahiraika amby efapolo taona nanjakany izy. 14 Nalevin'izy ireo tao amin'ny fasany ihany izy, izay nohadiany ho azy tao amin'ny tanànan'i Davida. Nampandrian'izy ireo teo ambony fandriana feno fofona manitra sy karazana zava-manitra nomanin'ireo mpahay zava-manitra izy. Ary nanao afo lehibe izy ireo mba ho voninahitra ho azy.
Eto ny "nanangana" midika hoe manangana manda manodidina ny tanàna mba afahan'ny tanàna miaro amin'ireo mpanafika.
D.H: "aza manafika ahy"
"nandefa ireo tafiny hanafika ireo tanàna"
Ireo dia tanàna any Israely.
"nibaiko ireo tokony izy hampitsahatra ny fahamafisan'i Rama sy ny fanaovana ireo asa hafa tany."
ireo hazo dia singa lehibe ao amin'ny hazo nampiasaina hananganana ireo trano na manda.
D.H: "Ireo Etopiana sy ireo Libiana dia tafika lehibe, mbamin'ireo kalesy sy mpitaingin-tsoavaly."
D.H: "Yaveh mahita izay mitranga eran'ny tany tontolo."
D.H: "ary Yaveh miaro amin'ny heriny."
D.H: "ireo izay mikasa tanteraka hanaraka Azy"
D.H: "ny zavatra rehetra izay nataony."
Ity dia boky izay tsy misy intsony.
D.H: "Nanana aretina tamin'ny tongony Asa"
D.H: "maty i Asa"
ny fandriana dia latabatra izay fametrahana faty amin'ny fandevenana.
Fipetrahana java-maniry izay manitra tsara atao amin'ny faty amin'iray amin'ireo fomba fandevenan'ny vahoakan'Israely. D.H: "zava-maniry manitra nokarakarain'ireo olona mahay tamin'izany fomba izany"
1 Josafata zanaka lahin'i Asa dia tonga mpanjaka nandimby azy. Nampatanjaka ny tenany hanohitra an'Israely i Josafata. 2 Nametraka tafika tamin'ireo tanàna mimandan'i Joda rehetra izy, ary nametraka miaramila tany amin'ireo tanin'i Joda sy tany amin'ireo tanànan'i Efraima, izay nobaboin'i Asa rainy. 3 Nomba an'i Josafata i Yaveh satria nandeha tamin'ireo lalan'i Davida rainy voalohany izy, ary tsy nitady ireo Bala. [1]4 Fa kosa, nahatoky an'ilay Andriamanitry ny rainy izy, ary nandeha tamin'ireo didiny, fa tsy mba tamin'ny fitondran-tenan' Israely. 5 Koa napetrak'i Yaveh teo an-tanany ny fanapahana; nanome voninahitra an'i Josafata ny Joda rehetra. Nanana harena sy voninahitra be izy. 6 Ny fony dia natao ho an'ireo lalan'i Yaveh. Nanala ireo fitoerana avo sy ny baon'Aseraha tany Joda ihany koa izy. 7 Tamin'ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka an'i Benaila, Obadia, Zakaria, Netanela ary i Mikaia manam-pahefany izy, mba hampianatra any amin'ireo tanànan'i Joda. 8 Niaraka tamin'izy ireo koa ireo Levita: dia i Semaia, Netania, Zebadia, Asahela, Semiramota, Jonatana, Adonia, Tobia, ary Tob-adonia; ary niaraka tamin'izy ireo i Elisama sy Jorama mpisorona. 9 Nampianatra tany Joda izy ireo, ary nanana ny bokin'ny lalàn'i Yaveh niaraka taminy. Nandeha nanerana ny tanànan'i Joda rehetra izy ireo ary nampianatra teo amin'ny vahoaka. 10 Nirotsaka tamin'ireo fanjakan'ny tany rehetra izay nanodidina an'i Joda ny horohoro an'i Yaveh, mba tsy hiantsian'izy ireo ady amin'i Josafata. 11 Ny Filistina sasany nitondra fanomezana ho an'i Josafata, sy volafotsy ho fanomezam-boninahitra. Ireo Arabo koa dia nitondra ondry aman'osy ho azy, ondrilahy 7 700 ary osilahy 7 700. 12 Tonga tena nahery i Josafata. Nanorina fiarovana mafy sy tanàna fitehirizana tao Joda izy. 13 Izy dia nanana fitaovana maro tao an-tanànan'i Joda, sy miaramila—matanjaka, lehilahy mahery fo—tany Jerosalema. 14 Ireto ny lisitr'izy ireo, milahatra araka ireo anaran'ny ankohon-drain'izy ireo: avy any Joda, ireo mpifehy ny an'arivony; Adna mpifehy, ary niaraka taminy ny lehilahy mpiady 300 000; 15 tao aoriany i Johanana mpifehy, ary niaraka taminy ny lehilahy 280 000; 16 tao aoriany i Amasia zanaka lahin'i Zikry, izay nanolo-tena hanompo an'i Yaveh; ary niaraka taminy ny lehilahy mpiady 200 000. 17 Avy amin'i Benjamina: dia i Eliada lehilahy natanjaka tamin'ny herim-po, ary niaraka taminy ny mitam-piadiana 200 000 niaraka tamin'ireo tsipìka sy ireo ampinga; 18 manaraka azy i Jozabada, ary niaraka taminy ireo 180 000 vonona ho amin'ny ady. 19 Ireo no nanompo ny mpanjaka, ankoatra ireo izay napetraky ny mpanjaka tamin'ireo tanàna mimanda nanerana an'i Joda rehetra.
Ny hevitry ny "tenany" dia milaza tafiky ny mpanjaka. D.H: "nanomana ny miaramila hahay hiady amin'Israely."
Ireo dia tobin-tafika ho an'ny fiarovana.
Fitondran-tena dia voalaza fa izany dia fandehanana. D.H: "miaina amin'ny lalan'ny fahamarinan'ny razambeny"
Tsy nanompo ireo sampin'i Bala mba hitady fanampiana avy amin'izy ireo.
Ireo dia anaran'olona.
D.H: "Ny olona tao amin'ny fanjakana rehetra nanodidina an'ny Joda dia lasa natahotra izay mety hamaizan'i Yaveh azy ireo"
1 Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; izy dia nihavana tamin'i Ahaba tamin'ny nanambadian'ny iray tao amin'ny fianakaviany ny zanany vavy. 2 Taona maromaro taty aoriana, dia nidina tany amin'i Ahaba tany Samaria izy. Namono ondry aman'osy maro ho azy sy ireo olona niaraka taminy i Ahaba. Nandresy lahatra azy mba hanafika an'i Ramota Gileada hiaraka aminy koa Ahaba. 3 Hoy Ahaba, mpanjakan'Israely, tamin'i Josafata, mpanjakan'i Joda hoe: "Handeha hiaraka amiko ho any Ramota Gileada ve ianao?" Namaly azy Josafata hoe: "Toa anao ihany aho, ary ny vahoakako dia toy ny vahoakanao; hiaraka aminareo any amin'ny ady izahay." 4 Hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: "Mba tadiavo aloha ny tenin'i Yaveh ho amin'ny valin-teninao." 5 Avy eo ny mpanjakan'Israely nampivory ireo mpaminany, lehilahy efa-jato, ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Tokony handeha hiady any Ramota Gileada ve isika, sa tsia? Hoy izy ireo hoe: "Tafiho, fa Andriamanitra hanome izany eo an-tanan'ny mpanjaka." 6 Saingy hoy Josafata hoe: "Tsy mbola misy mpaminan'i Yaveh hafa izay afaka hangalantsika hevitra ve eto?" 7 Hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: "Mbola misy lehilahy iray izay afaka hangalantsika ny hevitr'i Yaveh, dia Mikaia zanaka lahin'i Jimla, saingy halako izy satria tsy naminany tsara nahakasika ahy mihintsy izy, fa ratsy foana." Fa hoy Josafata hoe: "Tsy tokony hiteny izany ny mpanjaka." 8 Avy eo niantso manam-pahefana ny mpanjakan'Israely ary niteny hoe: "Ento faingana i Mikaia zanaka lahin'i Jimla." 9 Ary samy nipetraka tamin'ny seza fiandrianana avy i Ahaba mpanjakan'Israely sy Josafata mpanjakan'i Joda, nitafy ny akanjo lavan'izy ireo, teo amin'ny toerana malalaka anoloan'ny fidirana ny vavahadin'i Samaria, ary ny mpaminany rehetra dia naminany teo anatrehan'izy ireo. 10 Zedekia zanaka lahin'i Kenana dia nanamboatra tandroka vy ho an'ny tenany ary niteny hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: Amin'ireo no hanotoanao ireo Syriana mandra-pahalevon'izy ireo." 11 Nitovy faminaniana ireo mpaminany rehetra, nanao hoe: "Tafiho Ramota Gileada ary reseo, fa efa nomen'i Yaveh teo an-tanan'ny mpanjaka izany." 12 Ilay iraka izay nandeha niantso an'i Mikaia niteny taminy, nanao hoe: "Indro izao, ny tenin'ireo mpaminany dia manambara zavatra tsara amin'ny mpanjaka amin'ny feo tokana. Aoka ny teninao ho toy ny tenin'ny iray amin'izy ireo ary hiteny zavatra tsara." 13 Namaly Mikaia hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia izay zavatra lazain'Andriamanitra no hambarako." 14 Rehefa tonga tany amin'ny mpanjaka izy, dia hoy ilay mpanjaka taminy hoe: "Ry Mikaia, tokony andeha hiady any Ramota Gileada ve isika, sa tsia?" Namaly azy Mikaia hoe: "Tafiho ary mandrese! Fa ho fandresena lehibe izany." 15 Avy eo ny mpanjaka niteny taminy hoe: "Impiry no hampianianako anao tsy hilaza afa-tsy ny marina amiko amin'ny anaran'i Yaveh?" 16 Ka dia hoy Mikaia hoe: "Nahita ny Israely rehetra niparitaka teny amin'ireo tendrombohitra aho, tahaka ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Yaveh hoe: 'Tsy manana mpiandry ondry ireo. Aoka ny lehilahy rehetra hiverina am-pahatoniana any an-tranony.'" 17 Noho izany dia hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: "Tsy efa niteny anao ve aho fa izy dia tsy haminany soa mahakasika ahy, fa loza ihany?" 18 Avy eo dia hoy Mikaia hoe: "Noho izany ianareo rehetra dia tokony hihaino ny tenin'i Yaveh: Nahita an'i Yaveh nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ny miaramilan'ny lanitra rehetra nijoro teo an-kavanany sy teo an-kaviany. 19 Hoy Yaveh hoe: 'Iza no hitaona an'i Ahaba, mpanjakan'Israely, mba hahafahany hiakatra any Ramota Gileada ary ho lavo any?' Ny iray niteny izao ary ny hafa niteny izany. 20 Taorian'izay dia nisy fanahy nandroso ary nijoro teo anoloan'i Yaveh sy niteny hoe: 'Hitaona azy aho' Hoy Yaveh taminy hoe: 'Amin'ny fomba ahoana?' 21 Dia namaly ilay fanahy hoe: 'Hivoaka aho ary ho tonga fanahy mpandainga ao am-bavan'ireo mpaminaniny rehetra.' Namaly Yaveh hoe: 'Hitaona Azy ianao, ary hahomby koa ianareo. Koa ankehitriny mandehana ary ataovy izany.' 22 Indro ary ankehitriny, Yaveh nametraka fanahy mpandainga tao am-bavan'ireo mpaminaninao ireo, ary Yaveh nandidy loza ho anareo." 23 Dia tonga i Zekedia zanaka lahin'i Kenana, namelaka ny takolak'i Mikaia, ary niteny hoe: "Taiza ny lalana nialan'ny Fanahin'i Yaveh tamiko mba hiresaka aminao?" 24 Hoy Mikaia hoe: "Indro, ho fantatrao izany amin'izany andro izany, rehefa mihazakazaka hiafina any amin'ny efitrano anatiny sasany ianao." 25 Niteny tamin'ny mpanompo sasany ny mpanjakan'Israely hoe: "Samborinareo vahoaka i Mikaia ary ento ho any Amona, ilay governoran'ny tanàna izy, sy any amin'i Joasy, zanako lahy. 26 Ianareo vahoaka hiteny aminy hoe: 'Hoy ny mpanjaka hoe: ampidiro any am-ponja io lehilahy io ary fahano mofo sy rano kely izy, mandra-piveriko soa aman-tsara."' 27 Avy eo Mikaia niteny hoe: "Raha tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy niteny tamin'ny alalako Yaveh." Dia mbola nampiany hoe: "Henoy izany, ianareo ry vahoaka rehetra." 28 Koa dia niakatra hanohitra an'i Ramota Gileada i Ahaba, mpanjakan'Israely, sy Josafata, mpanjakan'i Joda. 29 Hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: "Hiova tava aho ary handeha ho amin'ny ady, fa hanaovy ny akanjo lavan'ny mpanjaka." Koa dia niova nanao olon-kafa ny mpanjakan'Israely, ary nandeha tany amin'ny ady izy ireo. 30 Ary ny mpanjakan'i Syria dia nandidy ireo kapitenin'ireo kalesiny, nanao hoe: "Aza manafika ireo miaramila manan-kaja na tsy manan-kaja. Fa kosa, ny mpanjakan'Israely ihany no tafiho." 31 Ary rehefa nahita an'i Josafata ireo kapitenin'ny kalesy dia hoy izy ireo hoe: "Iny ny mpanjakan'Israely." Niverina mba hanafika azy izy ireo, saingy nihiaka mafy Josafata, ary namonjy azy Yaveh. Navadik'Andriamanitra niala taminy izy ireo. 32 Ary rehefa hitan'ireo mpifehy ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'Israely ilay izy, dia niverina tamin'ny fanenjehana azy izy ireo. 33 Saingy nisy lehilahy iray nisintona ny zana-tsipìkany ary nitifitra ny mpanjakan'Israely teo anelanelan'ny fifandraisan'ny fiarovany. Avy eo Ahaba niteny tamin'ny mpitondra kalesiny hoe: "Mitodiha ary ento mivoakan'ny ady aho, fa maratra mafy." 34 Niharatsy ny ady tamin'io andro io, ary ny mpanjakan'Israely dia niandry tao amin'ny kalesiny nifanandrify tamin'ireo Syriana mandra-paharivan'ny andro. Mandra-pilentiky ny masoandro, dia maty izy.
D.H: "nifanaraka tamin'i Ahaba izy" na "nanao ny tenany ho naman'i Ahaba izy"
Josafata dia nametraka ny fihavanany tamin'i Ahaba. D.H: "Nanolotra ny tenako sy ireo miaramilako taminao aho mba hampiasainao amin'izay fomba hitiavanao azy."
"Azoko antoka fa mbola misy... hevitra eto."
Izy dia mpaminanin'ny Tompo.
Ity dia fanoharana amin'ny tandrok'omby saingy vita amin'ny vy.
D.H: "ho resinao izy ireo."
D.H: "Hanome fandresena ho anao i Yaveh"
Ity dia fanoharana amin'ny hafatry ny mpaminany manontolo.
D.H: "amin'ny hevitra iray" na "ary nanaiky avokoa izy ireo"
D.H: "azoko antoka ianao"
"na tokony tsy handeha isika"
D.H: "niteny anao tamin'ny teny tokana marina tamin'ny anaran'i Yaveh aho"
D.H: "tsy misy mpitondra tsara"
D.H: "nilaza taminao aho fa tsy maintsy haminany izay loza tsy maintsy hitranga amiko izy."
ity dia midika fisintonana olona amin'ny zavatra misy antso.
D.H: "lasa ratra be" na "maty"
Ity dia milaza fa misy mihoatra noho ny hevitra iray.
D.H: "fanahy izay mampandainga ireo mpaminany"
D.H "nametra ireo zava-doza hitranga aminao"
Ity dia tsy mitovy amin'i Zekedia toy ny fanovozan-kevitra ambony, saingy mpaminany tsy mivadika amin'ny Ahaba
D.H: "Ny fanahin'Andriamanitra tsy namela ahy hiresaka aminao"
D.H: "rehefa mihazakazaka, amin'ny tahotra, ianao"
Ity dia fanoharana amin'i Rahaba.
Mikaia dia mahafantatra fa Yaveh efa niteny taminy.
D.H: "hiady hanohitra"
Ity dia midika fiovana endrika amin'ny mahazatra mba tsy ho fantatra.
D.H: "Aza manafika ireo miaramila"
Josafata dia diso famantarana tahaka an'ny mpanjaka an'Israely satria Ahaba dia nisisika fa izy dia niakanjo akanjo mpanjaka.
D.H: "Andriamanitra no nahatonga azy ireo nijanona tsy nanaraka azy."
Ity dia toerana izay ifanenan'ny singam-piadina roa ary dia mora hiadiana sy hitsinjondromana.
1 Niverina soa aman-tsara tany an-tranony tany Jerosalema i Josafata mpanjakan'i Joda. 2 Avy eo Jeho zanaka lahin'i Hanana, ilay mpahita, nivoaka hitsena azy ka niteny tamin'i Josafata Mpanjaka hoe: "Tokony hanampy ny ratsy fanahy ve ianao? Tokony hitia ireo izay mankahala an'i Yaveh ve ianao? Noho izany asa izany, dia ao aminao ny hatezerana avy amin'i Yaveh. 3 Na izany aza, dia mbola misy tsara hita ao anatinao, fa nesorinao hiala ny tany ireo baon'Aseraha, ary efa nanefy ny fonao hitady an'Andriamanitra ianao." 4 Nonina tao Jerosalema i Josafata; ary nivoaka hitety ny vahoaka indray izy hatrany Beriseba ka hatrany amin'ny tany havoan'i Efraima ka nitondra azy ireo niverina tany amin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo. 5 Nametraka mpitsara tany amin'ny tany nanerana ireo tanàna mimanda rehetra tany Joda izy, isaky ny tanàna. 6 Hoy izy tamin'ireo mpitsara hoe: "Hevero izay tokony hataonareo, satria tsy mitsara ho an'olona ianareo, fa ho an'i Yaveh; momba anareo Izy amin'ny asam-pitsarana. 7 Koa ankehitriny, aoka ho aminareo ny tahotra an'i Yaveh. Mitandrema rehefa mitsara ianareo, fa tsy mba misy heloka amin'i Yaveh Andriamanitsika, na fizahan-tavan'olona na fandraisana kolikoly." 8 Koa, nanendry ny sasany tamin'ireo Levita sy ireo mpisorona, ary ny sasany tamin'ireo mpitarika ny tranon-drazan'Israely tao Jerosalema i Josafata, ho amin'ny fanatanterahana ny fitsarana ho an'i Yaveh, ary ho amin'ireo fifandirana. Nitoetra tao Jerosalema izy ireo. 9 Nampianatra azy ireo izy, nanao hoe: "Tokony hanompo an'i Yaveh am-panajana, am-pahatokiana, ary amin'ny fonareo manontolo ianareo. 10 Na oviana na oviana tonga aminareo ny fifandirana amin'ireo rahalahinareo izay monina any amin'ny tanànan'izy ireo, na mahakasika ny fandatsahan-drà, na momban'ireo didy aman-dalàna, dia ampitandremo izy ireo, mba tsy ho tonga meloka eo anatrehan'i Yaveh izy ireo, raha tsy izany dia ho tonga aminareo sy amin'ireo rahalahinareo ny hatezerana. Izany no tokony hataonareo mba tsy ho meloka ianareo. 11 Indro, Amaria mpisoronabe no eo aminareo amin'ny raharahan'i Yaveh rehetra. Zebadia zanaka lahin'Ismaela, mpitarika ny taranak'i Joda, no miandraikitra ny raharahan'ny mpanjaka rehetra. Ireo Levita ihany koa dia ho manam-pahefana hanompo anareo. Mahereza ka araho ireo torolalanareo ireo, ary Yaveh anie homba an'ireo izay tsara."
D.H: "Tokony hanampy ny ratsy fanahy ianao! Tokony tsy hitia ireo izay mankahala an'i Yaveh ianao!"
D.H: "tapa-kevitra tanteraka"
D.H: "namerina amin'ny laoniny ny finoan'izy ireo tao amin'i Yaveh"
D.H: "Tokony ho tsaroanareo ny tahotr'i Yaveh rehefa mitsara ianareo."
D.H: "fianakaviana talohan'Israely"
D.H: "manampy ny fanapaha-kevitra amin'ny fandresen-dahatra"
D.H: "ho tezitra amianareo mbamin'ireo rahalahinareo Andriamanitra."
1 Ary taorian'izany, dia tonga nanohitra an'i Josafata ireo vahoakan'i Moaba sy Amona, ary niaraka tamin'izy ireo ny Monita sasany. [1]2 Dia tonga ny sasany niteny tamin'i Josafata, nanao hoe: "Maro be ireo ho tonga hanohitra anao avy any an-dafin'ny Ranomasina Maty, avy any Edoma. Indro, ao Hazezon-tamara izy ireo," izay Enjedy. [2]3 Lasa natahotra sy nampizaha ny tenany mba hizaha an'i Yaveh i Josafata. Nanambara fifadian-kanina eran'i Joda rehetra izy. 4 Niara-niangona hitady an'i Yaveh ny Joda rehetra; tonga hitady an'i Yaveh tany amin'ireo tanànan'i Joda rehetra izy ireo. 5 Ary Josafata nitsangana teo amin'ny fiangonan'i Joda sy Jerosalema, tao an-tranon'i Yaveh, teo anoloan'ny kianja vaovao. 6 Hoy izy hoe: "Ry Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambenay, tsy ianao ve no Andriamanitry ny lanitra? Tsy Ianao ve no mpanapaka eo amin'ireo fanjakan'ny firenena rehetra? Ny hery sy ny fahefana dia eo an-tananao, koa tsy misy afaka hahatohitra anao. 7 Ry Andriamanitray, tsy ianao ve no nandroaka ny mponina teto amin'ity tany ity nanoloana an'Israely olonao, sy nanome izany mandrakizay ho an'ireo taranak'i Abrahama? 8 Nonina tao amin'izany sy nanorina fitoerana masina tao ho an'ny anaranao izy ireo, nanao hoe: 9 'Raha tonga eto aminay ny loza—ny sabatra, ny fitsaràna, na aretina, na mosary—dia hitsangana eo anoloan'ity tranony ity, sy eo anoloanao izahay (fa ato amin'ny ity trano ity ny anaranao), ary hitomany Anao izahay amin'ny fahorianay, ka handre sy hamonjy anay Ianao.' [3]10 Ary indro, indreo ary ireo vahoakan'i Amona, Moaba, ary ny tendrombohitra Seira izay tsy navelanao ho tafihan'Israely rehefa nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ireo; fa kosa, niala tamin'izy ireo ny Israely ary tsy nandrava azy ireo. 11 Indro ny fomba hanonerany antsika; tonga handroaka antsika hiala ao amin'ny taninao izay nomenao ho lovanay izy ireo. 12 Ry Andriamanitray o, tsy hitsara azy ireo ve Ianao? Fa tsy manana hery hanoherana izany tafika lehibe tonga hanohitra anay izany izahay. Tsy fantatray izay tokony hatao, fa ny masonay dia any aminao." 13 Nitsangana teo anoloan'i Yaveh ny Joda rehetra, niaraka tamin'ireo madinik'izy ireo, ireo vadiny, sy ireo zanany. 14 Dia teo afovoan'ny fiangonana, no tonga tamin'i Jahaziela, zanak'i Zakaria, zanak'i Benaia, zanak'i Jeiela, zanak'i Matania, ilay Levita, iray tamin'ireo zanak'i Asafa ny fanahin'i Yaveh. 15 Hoy Jahaziela hoe: "Henoy, ry Joda rehetra sy ny mponin'i Jerosalema, ary ry Josafata mpanjaka. Izao no lazain'i Yaveh aminareo hoe: 'Aza matahotra; aza kivy noho izany tafika lehibe izany, fa tsy ho anareo ny ady, fa ho an'Andriamanitra. 16 Tsy maintsy hidina hanohitra azy ireo ianareo rahampitso. Indro, hiakatra amin'ny lalàna mandalo any Ziza izy ireo. Hahita azy ireo eo amin'ny faran'ny lohasaha ianareo, eo alohan'ny efitr'i Jeroela. 17 Tsy mila miady amin'izany ady izany ianareo. Mijoroa eo amin'ny fitoeranareo, mijanona, ka jereo ny famonjen'i Yaveh anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na kivy. Mivoaha hanohitra azy ireo rahampitso, fa Yaveh homba anareo.'" 18 Nampiankohoka ny tavany teo amin'ny tany i Josafata. Ny Joda rehetra sy ny mponin'i Jerosalema dia niondrika teo anoloan'i Yaveh, nihoby azy. 19 Ireo Levita, sy ireo taranaky ny Kehatita sy Koraita, nitsangana mba hidera an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely, tamin'ny feo mahery. 20 Vao maraina be dia nitsangana izy ireo ka nivoaka nankany amin'ny efitr'i Tekoa. Raha nivoaka iny izy ireo, dia nitsangana Josafata ary niteny hoe: "Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo mponin'i Jerosalema! Minoa an'i Yaveh Andriamanitrareo, dia ho tohanana ianareo. Matokia an'ireo mpaminaniny, dia hahomby hianareo." 21 Rehefa nanontany ny olona Izy, dia nanendry ireo tokony hihira ho an'i Yaveh sy hidera Azy nohon'ny voninahiny masina Izy, raha nivoaka nialoha ny tafika izy ireo, ary nanao hoe: "Misaora an'i Yaveh, fa maharitra mandrakizay ny famin-dram-pony." 22 Rehefa nanomboka nihira sy nanompo izy ireo, dia nametraka lehilahy hamely tampoka ny vahoakan'i Amona, sy Moaba, ary ny tendrombohitra Seira, izay avy hanohitra an'i Joda i Yaveh. Ary dia resy izy ireo. 23 Dia nitsangana hiady hanohitra ny mponina avy ao an-tendrombohitra Seira ny vahoakan'i Amona sy Moaba, mba hamono tanteraka sy handringana azy ireo. Rehefa vitan'izy ireo ny amin'ny mponina ao an-tendrombohitra Seira, dia hifandringana izy ireo. 24 Raha tonga teo amin'ny toerana fitazanana ny efitra ny Joda, dia nijery ny tafika izy ireo. Indro, efa maty izy ireo, lavo tamin'ny tany; tsy nisy afa-nandositra. 25 Raha tonga handroba teo amin'izy ireo Josafata sy ny vahoakany, dia nahita zavatra maro be, akanjo, sy fitaovana sarobidy, izay nalainy ho azy ireo, mihoatra noho izay azon'izy ireo nentina. Naharitra hateloana ny fandroban'izy ireo, fa be loatra izany no teo. [4]26 Tamin'ny andro fahefatra dia nivory teo amin'ny Lohasahan'i Bereka izy ireo. Tany no nideran'izy ireo an'i Yaveh, ka natao hoe "Lohasahan'i Bereka" ny anaran'izany toerana izany mandrak'androany. 27 Dia niverina izy ireo, ny olona rehetra tao Joda sy Jerosalema, ary tao amin'ny fitarihan'izy ireo i Josafat, mba handeha hankany Jerosalema am-pifaliana indray, fa Yaveh efa nampifaly azy ireo teo amin'ireo fahavalony. 28 Tonga tany Jerosalema sy tao an-tranon'i Yaveh niaraka tamin'ireo lokanga, valiha, ary trompetra izy ireo. 29 Ny horohoron'Andriamanitra dia teo amin'ireo fanjakan'ny firenena rehetra raha nandre izy ireo fa Yaveh dia niady hanohitra ireo fahavalon'Israely. 30 Ka dia nangina ny fanjakana'i Josafata, satria nanome fiadanana azy nanodidina azy rehetra ny Andriamaniny. 31 Nanjaka teo amin'ny Joda i Josafata: dimy amby telo-polo taona izy raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka dimy amby roa-polo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Azoba, zanaka vavin'i Sily. 32 Nandeha tamin'ireo lalan'i Asa rainy izy; ary tsy niala tamin'ireny; nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy. 33 Na izany aza, tsy noravana ireo fitoerana avo. Ny vahoaka dia tsy mbola nitarika ny fon'izy ireo ho amin'ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo. 34 Ary raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Josafata, voalohany sady farany, indro, izy ireo dia efa voasoratra ao amin'ny tantaran'i Jeho zanak'i Hanany, izay voarakitra an-tsoratra ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'Israely. 35 Ary taorian'izany Josafata, mpanjakan'i Joda dia niray hina tamin'i Ahazia, mpanjakan'Israely, izay nanao faharatsiana maro. 36 Niray hina taminy izy mba hanamboatra sambo handehanana any Tarsisy. Tao Ezion-gabera no nanamboaran'izy ireo ny sambo. 37 Ary Eliezera zanak'i Dodavaho avy any Maresa, dia naminany hamely an'i Josafata; hoy izy hoe: "Satria efa niray hina tamin'i Ahazia ianao, dia noravain'i Yaveh ireo tetikasanao." Nirendrika ilay sambo ka tsy afaka niondrana an-tsambo izy ireo.
Ity dia vondron'olona izay mety nitoetra akaikin'ny Edoma, atsinanan'ny Reniranon'ny Jordana.
D.H: "tapa-kevitra"
D.H: "miezaka mba hahazo an'Andriamanitra ka hitandrina ireo."
D.H: "Ianao tokoa no Andriamanitry ny lanitra ary mpanapaka eo amin'ireo mpanjakan'ny tany rehetra."
Ny teny "hery" sy "fahefana" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy ny halebehin'ny herin'i Yaveh. D.H: "manan-karena hery lehibe Ianao."
D.H: "Tena Ianao mihitsy no nandroaka ireo izay nitoetra tao amin'ny tany noho ny hotan'ireo vahoakan'Israelinao ary nanome izany maharitra tamin'ireo taranak'i Abrahama."
D.H: "Ny fanatrehanao dia ato amin'ny trano ity"
Ity dia toerana izay itoeran'ireo Edomita.
D.H: "Ity dia ny fomba "nanoneran'"izy ireo antsika tamin'ny famindram-po nasehon-tsika azy ireo; ho avy androaka antsika amin'ny taninao izy ireo."
D.H: "mba tsarao re izy ireo."
D.H: "miandry ny fanampiana avy aminao izahay."
D.H: "Ny fanahin'Andriamanitra nanolotra fahaizana haminaniana"
Anaran'olona ireo.
D.H: "handeha ho any" na "handeha hiady"
ity dia lohasaha tery manelanelana ny tendrombohitra atsimo-atsinanana roa an'ny Jerosalema.
Hanohitra ny ady Yaveh ary hanavotra ny vahoaka.
D.H: "Ny vahoakan'ny Joda rehetra."
anaran'olona ireo.
Ity dia tanàna atsimon'ny Jerosalema.
D.H: "Hanampy anareo i Yaveh."
D.H: "Raha matoky an'i Yaveh mpaminany ianareo, dia hahaomby"
Ity dia toerana izay itoeran'ireo Edomita.
D.H: "nanomana fanafihana tsy ampoizina"
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Ny fahareo dia manamafy ny voalohany. D.H: "Hanatanteraka ny fandringanana azy ireo" (UDB).
Ity dia tsy nampoizina. Efa ringana avokoa ireo fahavalo tsirairay.
Ny andian-teny "lavo tamin'ny tany" dia fomba fiteny iray ilazana izay "nahafatesan'izy ireo". D.H: "maty tamin'ny tany daholo izy ireo."
Ity dia maneho ilay fotoana izay nahavoasoratra ny bokin'ny tantara 2.
Ity dia fanoharana iray amin'ireo adin'olona rehetra.
Josafata mpanjaka dia teo anoloan'ireo tafika manontolo tahaka ny nandehanan'izy ireo niverina tany Jerosalema.
"Ny mpanjaka rehetran'ny firenena dia natahotra tanteraka an'Andriamanitra"
Ity dia maneho ny governemanta amin'ny fanjakana tokana.
D.H: "nanaraka ny fanoharan-drainy"
D.H: "Raha ny aminy"
Ity dia boky izay tsy misy intsony.
Ity dia sambo afaka mandeha eran'ny rano lehibe.
1 Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Josafata ary nalevina niaraka tamin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida; Jehorama, zanany lahy, no tonga mpanjaka nandimby ny toerany. 2 Nanana rahalahy i Jehorama, zanak'i Josafata: dia Azaria, Jehiela, Zakaria, Azaria, Mikaela, ary Sefatia. Zanaka lahin'i Josafata, mpanjakan'Israely avokoa ireo. 3 Nanolotra fanomezana volafotsy, volamena, ary zava-tsarobidy hafa maro dia maro, ary tanàna mimanda tany Joda ho azy ireo ihany koa ny rainy, saingy nomeny an'i Jehorama ny seza fiandrianana, satria izy no lahimatoany. 4 Ary rehefa nitsangana teo amin'ny fanjakan-drainy i Jehorama ka nametraka mafy ny tenany ho mpanjaka, dia novonoiny tamin'ny sabatra ireo rahalahiny rehetra, sy ireo mpitarik'Israely samihafa ihany koa. 5 Roa amby telopolo taona i Jehorama raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritry ny valo taona tao Jerosalema izy. 6 Nandeha tamin'ny lalan'ireo mpanjakan'Israely izy, tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba, fa ny zanaka vavin'i Ahaba no vadiny, ary nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. 7 Kanefa, tsy naniry ny handringana ny taranak'i Davida i Yaveh, nohon'ny amin'ilay fanekena izay nataony tamin'i Davida; efa nampanantena ny hanome fiainana ho azy sy ireo taranany lalandava Izy. 8 Tamin'ny andron'i Jehorama, dia nikomy hiala tamin'ny fifehezan'i Joda i Edoma, ka nametraka mpanjaka ho eo amin'izy ireo. 9 Dia niampita niaraka tamin'ireo mpifehiny sy ireo kalesiny rehetra i Jehorama. Andro alina no niaingany sy niadiany tamin'ireo Edomita izay nanodidina azy sy mpifehy ny kalesiny. 10 Koa efa nikomy tamin'ny fifehezan'i Joda mandrak'ankehitriny i Edoma. Nikomy hiala tamin'ny fifehezany niaraka tamin'izany ihany koa i Libna, satria Jehorama efa nahafoy an'i Yaveh, Andriamanitr'ireo razambeny. 11 Fanampin'izany, dia nanorina fitoerana avo tany amin'ireo tendrombohitr'i Joda ihany koa i Jehorama, ka nampiaina ny mponin'i Jerosalema tahaka ny mpivaro-tena, ary nitondra an'i Joda hania. 12 Nisy taratasy avy tamin'i Elia mpaminany tonga tany amin'i Jehorama. Izao no nambaran'izany: "Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Davida, razambenao: Satria tsy nandeha tamin'ny lalan'i Josafata, rainao ianao, na tamin'ireo lalan'i Asa, mpanjakan'i Joda, 13 fa efa nandeha tamin'ny lalan'ireo mpanjakan'Israely kosa, ary nahatonga an'i Joda sy ireo mponin'i Jerosalema hiseho toy ny mpivaro-tena, tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba—ary satria efa novonoinao tamin'ny sabatra ihany koa ireo rahalahinao tao amin'ny fianakavian-drainao, dia ireo lehilahy tsara noho ny tenanao 14 indro, Yaveh hamely anao, ireo zanakao, sy ireo vadinao, ary ny harenao rehetra amin'ny areti-mandringana lehibe. 15 Ianao mihitsy no harary mafy nohon'ny aretina ao amin'ny tsinainao, ambaram-pahavoa ny tsinainao noho ilay aretina, isan'andro isan'andro." 16 Dia nampientana ny fanahin'ireo Filistina sy ireo Arabo izay nanakaiky an'ireo Etiopiana hanohitra an'i Jehorama i Yaveh. 17 Namely an'i Joda izy ireo, nanafika izany, ary naka ireo harena rehetra izay hita tao an-tranon'ny mpanjaka. Nalain'izy ireo ihany koa ireo zanany lahy sy ireo vadiny. Tsy nisy zanaka lahy tavela ho azy afa-tsy i Jehoaza, zanany faralahy. 18 Taorian'izany rehetra izany, dia namely azy tao amin'ny tsinainy tamin'ny aretina tsy hay sitranina i Yaveh. 19 Ary tamin'ny fotoana voatondro, afaka roa taona, dia lavon'ny aretiny ny tsinainy, ary maty nohon'ny aretina namaivay izy. Tsy nandrehitra afo ho voninahiny araka ny nataon'izy ireo ho an'ny razambeny ny vahoakany. 20 Nanomboka nanjaka izy tamin'ny faharoa amby telopolo taonany; nanjaka tao Jerosalema nandritry ny valo taona izy, ary maty tsy nisy mpitomany. Nalevin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida izy, fa tsy tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.
D.H: "maty"
Ity dia tanànan'ny Jerosalema.
Anaran'olona ireo.
Ny fanjakana tatsimo dia nantsoina hoe "Joda", saingy ny mpanoratra ity boky ity dia toa naniry hanao fanamarihana fa ny atsimon'ny fanjakana dia, ao amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra, ny Israely marina.
Tapa-kevitra i Josafata fa Jehorama dia tokony ho mpanjaka aorian'ny hahafatesany.
D.H: "Nandray fahefana tanteraka eo amin'ny fanajakan-drainy"
Nanaraka ny fanaon-drainy.
D.H: "raha ny amin'i Yaveh"
D.H: "Efa nampanantena Izy fa ny taranak'i Davida dia tsy maintsy iray tamin'ireo izay nanjaka tamin'ny Joda."
D.H: "Raha toa ka mpanjaka i Jehorama"
"nanohitra ny fifehezan'i Joda"
D.H: "niampita ny moron'i Edoma"
Ity dia maneho ilay fotoana izay nahavoasoratra ny bokin'ny tantara 2
Ity dia tanàna tao Joda.
D.H: "mandrapahatonga ity aretina ity hahatonga ny fahafatesanao."
D.H: "nahatonga ireo Filistina sy ireo Arabiana ho lasa feno fahatezerana tamin'i Joda."
D.H: "nanome aretina tsy hay sitranina tao amin'ny tsinainy"
D.H: "tsy nankatò azy tamin'ny voninahiny"
D.H: "tamin'ny fotoana araka ny tokony ho izy" na "raha marina ny fotoana"
D.H: "tsy misy falahelovana"
1 Ireo mponin'i Jerosalema dia nanao an' i Ahazia, faralahin'i Jehorama, ho mpanjaka handimby azy, fa ny tarik'ireo lehilahy izay niaraka tamin'ireo Arabo niditra tao amin'ny toby dia namono ireo zanany lahy lehibe rehetra. Ka dia Ahazia zanaka lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda, no tonga mpanjaka. 2 Roa amby efa-polo taona i Ahazia raha nanomboka nanjaka; nanjaka herintaona tao Jerosalema izy. Atalia no anaran-dreniny; zanaka vavin'i Omry izy. 3 Nandeha tamin'ny lalan'ny taranak'i Ahaba ihany koa izy satria ny reniny no mpanolotsaina azy tamin'ny fanaovan-dratsy. 4 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Ahazia, tahaka izay nataon'ny taranak'i Ahaba, satria izy ireo no mpanolotsainy taorian'ny nahafatesan-drainy, ho amin'ny faharavany. 5 Nanaraka ny torohevitr'izy ireo ihany koa izy; nandeha niaraka tamin'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, mpanjakan'Israely izy, mba hiady amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, tany Ramota-gileada. Nandratra an'i Jorama ireo Syriana. 6 Niverina tany Jezirela i Jorama mba hanasitranana ny ratra izay nataon'izy ireo taminy tany Rama, tamin'izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ka dia nidina tany Jezirela i Ahazia zanaka lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda, mba hijery an'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, satria naratra i Jorama. 7 Ary ny faharavan'i Ahazia dia nentin'Andriamanitra tamin'ny famangian'i Ahazia an'i Jorama. Rehefa tonga izy, dia niaraka tamin'i Jehorama mba hanafika an'i Jeho zanaka lahin'i Nimsy, izay efa nofidian'i Yaveh handrava ny taranak'i Ahaba. 8 Ary rehefa nanatanteraka ny fitsaran'Andriamanitra teo amin'ny taranak'i Ahaba i Jeho, dia nahita ireo mpitarika an'i Joda sy ireo zanaka lahin'ny rahalahin'i Ahazia nanompo an'i Ahazia izy. Novonoin'i Jeho izy ireo. 9 Nitady an'i Ahazia i Jeho; nosamborin'izy ireo tao am-pierena tao Samaria izy, nentina tany amin'i Jeho, ka novonoina izy. Avy eo nalevin'izy ireo izy, fa hoy izy ireo hoe: "Izy dia zanaka lahin'i Josafata, izay nitady an'i Yaveh tamin'ny fony rehetra." Ary dia tsy nanana fahefana hanapaka ny fanjakana intsony ny taranak'i Ahazia. 10 Ary rehefa hitan'i Atalia, renin'i Ahazia fa maty ny zanany lahy, dia nitsangana izy ary namono ireo zanak'andriana rehetra tao amin'ny taranak'i Joda. 11 Kanefa i Joseba, zanaka vavin'ny mpanjaka, naka an'i Joasy, zanaka lahin'i Ahazia, ary nanala azy teo amin'ireo zanaka lahin'ny mpanjaka izay novonoina. Napetrany tao amin'ny efitrano fatoriana izy sy ny mpitaiza azy. Ary Joseba, zanaka vavin'i Jehorama Mpanjaka, vadin'i Jehoiada mpisorona (fa anabavin'i Ahazia izy), nanafina azy tamin'i Atalia, mba tsy hamonoan'i Atalia azy. 12 Niara-niery tamin'izy ireo tao an-tranon'Andriamanitra nandritry ny enin-taona izy, raha mbola i Atalia no nanjaka teo amin'ny tany.
D.H: "nanaraka ny fanoharan-drainy"
D.H: "tamin'ny hevitr'i Yaveh"
anaran'olona
1 Tamin'ny taona faha-fito, dia nampiseho ny heriny i Joiada ary nanao fifanekena tamin'ireo mpifehy ny an-jatony, dia Azaria zanaka lahin'i Jerohama, Isimaela zanaka lahin'i Johanana, Azaria zanaka lahin'i Obeda, Mahaseia zanaka lahin'i Adaia, ary Elisafata zanaka lahin'i Zikri. 2 Nankany Joda izy ireo ary nanangona ireo Levita avy amin'ireo tanànan'i Joda rehetra, sy ireo loham-pianakavian'Israely, ary tonga tao Jerosalema izy ireo. 3 Nanao fifanekena tamin'ny mpanjaka tao an-tranon'Andriamanitra ny fiangonana rehetra. Hoy Joiada tamin'izy ireo hoe: "Indro, hanjaka ny zanaka lahin'ny mpanjaka, araka ny nolazain'i Yaveh mahakasika ireo taranak'i Davida. 4 Izao no tsy maintsy ataonareo: ny iray ampahatelonareo mpisorona sy Levita izay tonga hanompo amin'ny Sabata, dia ho mpiambina eo amin'ireo varavarana. 5 Ny ampahatelony hafa any amin'ny tranon'ny mpanjaka, ary ampahatelony hafa any amin'ny Vavahadin'ny Fototra. Ny olona rehetra dia ho any an-kianjan'ny tranon'i Yaveh. 6 Aza misy olona avela mankao an-tranon'i Yaveh, afa-tsy ireo mpisorona sy Levita izay manompo. Mahazo miditra izy ireo satria voatokana. Fa ny olona hafa rehetra dia tsy maintsy mankatoa ireo didin'i Yaveh. 7 Tsy maintsy mihodidina ny mpanjaka amin'ny lafiny rehetra ireo Levita, ny olona rehetra miaraka amin'ny fitaovam-piadiany eny an-tanany. Na iza na iza miditra ao amin'ilay trano, dia aoka izy ho vonoina. Miaraha amin'ny mpanjaka rehefa miditra sy mivoaka izy." 8 Noho izany ireo Levita sy Joda rehetra dia nanompo tamin'ny fomba rehetra izay nandidian'i Joiada mpisorona. Samy naka ireo lehilahiny ny tsirairay, ireo izay ho avy hanompo amin'ny Sabata, sy ireo izay handao ny fanompoana amin'ny Sabata, satria Joiada, mpisorona, dia tsy mba nandroaka na iza na iza tamin'ny fizaran'izy ireo. 9 Avy eo Joiada, mpisorona, nitondra lefona ho an'ireo mpifehy sy zanak'apinga kely sy lehibe izay an'i Davida Mpanjaka izay tao an-tranon'Andriamanitra. 10 Nalahatr'i Joiada ireo miaramila rehetra, ny lehilahy tsirairay samy niaraka tamin'ny fitaovam-piadiany teny an-tanany, avy eo amin'ny ilany havanan'ny tempoly hatrany amin'ny ilany havian'ny tempoly, nanaraka ny alitara sy ny tempoly, nanodidina ny mpanjaka. 11 Dia nentin'izy ireo nivoaka ny zanaka lahin'ny mpanjaka, napetaka teo aminy ny satro-boninahitra, ary nomena azy ny lalàn'ny fanekena. Dia nataon'izy ireo ho mpanjaka izy, ary nanosotra azy i Joiada sy ireo zanany lahy. Dia hoy izy ireo hoe: "Ho ela velona anie ny mpanjaka." 12 Rehefa ren'i Atalia ny tabataban'ny vahoaka nihazakazaka sy nidera ny mpanjaka, dia nanatona ny vahoaka tao an-tranon'i Yaveh izy. 13 Ary nijery izy, ka indro, nijoro teo akaikin'ny andry teo amin'ny fidirana ny mpanjaka, ary teo anilan'ny mpanjaka ireo mpifehy sy ireo mpitsoka trompetra. Nifaly sy nitsoka trompetra ny olon'ny tany rehetra, ary nitendry zava-maneno sy nitarika ny hira fiderana ireo mpihira. Avy eo Atalia nandrovitra ny akanjony ary nihiaka hoe: "Mpamadika! Mpamadika!" 14 Avy eo Joiada, mpisorona, nitondra nivoaka ireo mpifehy ny an-jatony izay teo amin'ny tafika ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Avoahy eo anelanelan'ny filaharana izy; izay olona manaraka azy, aoka izy ho vonoina amin'ny sabatra." Fa hoy ny mpisorona hoe: "Aza vonoina ao an-tranon'i Yaveh izy." 15 Noho izany dia nanao lalana ho azy izy ireo, ary nandeha tamin'ny lalan'ny Vavahadin-tsoavaly nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka izy, ary tany no namonoan'izy ireo azy. 16 Avy eo Joiada nanao fanekena tamin'ny tenany, sy ny olona rehetra, sy ny mpanjaka, fa tokony ho olon'i Yaveh izy ireo. 17 Noho izany dia niditra tao an-tranon'i Bala ny olona rehetra ary nandrava izany. Nopotipotehin'izy ireo ny alitaran'i Bala sy ireo sariny, ary novonoin'izy ireo teo anoloan'ireo alitara ireo i Matana, mpisoron'i Bala. 18 Ary Joiada nanendry manam-boninahitra ho an'ny tranon'i Yaveh teo ambany fehin'ireo mpisorona, izay Levita, izay notendren'i Davida ho an'ny tranon'i Yaveh, mba hanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, niara-nifaly sy nihira, araka ny torolalana nomen'i Davida. 19 Nametraka mpiambina teo am-bavahadin'ny tranon'i Yaveh i Joiada, mba tsy hisy na iray izay naloto tamin'ny fomba maro tokony hiditra. 20 Nentin'i Joiada niaraka taminy ireo mpifehy ny an-jatony, ireo lehilahy manan-kaja, ireo governoran'ny vahoaka, sy ireo olon'ny tany rehetra. Nentiny nidina avy tao amin'ny tranon'i Yaveh ny mpanjaka; nanatona avy eny amin'ny Vavahady Ambony nakany amin'ny tranon'ny mpanjaka ny olona ary nametraka ny mpanjaka ho eo amin'ny seza fiandrianam-panjakana. [1]21 Koa dia niravoravo ny olona rehetra tao amin'ilay tany, ary nilamina ny tanàna. Raha ny amin'i Atalia, dia novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra izy.
Lohan'ny mpisorona izay nikarakara ny tempoly ary nahatoky an'Andriamanitra. Izy no mpanolo-saina an'i Joasa.
D.H: "olona maro"
Mety midika hoe 1) "amin'ny fotoana rehetra" na "izay rehetra alehany."
D.H: "ny ankamaroan'ny olona rehetra dia nankatò ireo didin'ny mpisorona be"
D.H: "izay nahavita ny asan'izy ireo tamin'ny andro sabata"
D.H: "Nitanisa ny tenin'ny fanekena"
D.H: "Ny ankabetsahan'ny olona rehetra"
D.H: "izay mpitarika ny tafika"
D.H: "eo afovoan'ny miaramila"
D.H: "Ny ankamaroan'ny olona rehetra dia nandeha tany amin'ny tempolin'i Bala."
D.H: "eo ambany fitondran'ny mpisorona"
D.H: "tsy misy na maloto iray mahazo miditra amin'ny fomba maro."
Ny tempoly dia namboarina teny an-tapon'ny havoana tany Jerosalema. D.H: "Nentiny nakany amin'ny lapa avy ao amin'ny tempoly eny an-tapon'ny havoana ny mpanjaka"
1 Fito taona i Joasy rehefa nanomboka nanjaka; nanjaka nandritry ny efapolo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Berisheba. 2 Joasy dia nanao izay marina teo imason'i Yaveh tamin'ny andro rehetra niainan'i Joiada, mpisorona. 3 Naka vady roa ho azy i Joiada, ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 4 Taorian'izany, dia tapa-kevitra ny hamerina amin'ny laoniny ny tranon'i Yaveh i Joasy. 5 Nangoniny niaraka ireo mpisorona sy ireo Levita, ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana isan-taona any amin'ny tanànan'i Joda ary manangòna vola avy amin'Israely rehetra mba hanamboarana ny tranon'ny Andriamanitrareo. Ataovy azo antoka fa hanomboka avy hatrany ianareo." Tamin'ny voalohany dia tsy nanao na inona na inona ireo Levita. 6 Ary ny mpanjaka nampiantso an'i Joiada, ilay mpisoronabe, ary niteny taminy hoe: "Nahoana no tsy nasainao nentin'ireo Levita avy tany Joda sy Jerosalema ny hetra izay nangonin'i Mosesy mpanompon'i Yaveh sy ireo fiangonan'Israely, ho amin'ny lain'ny lalàn'ny fanekena?" 7 Fa ireo zanaka lahin'i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, namotika ny tranon'Andriamanitra ary nanome ireo zava-masina rehetra tao an-tranon'i Yaveh ho an'ireo Bala. 8 Ka dia nandidy ny mpanjaka, ary nanamboatra vata izy ireo ary nametraka izany teo ivelan'ny fidirana makao an-tranon'i Yaveh. 9 Rehefa izany dia nanao fanambarana nanerana an'i Joda sy Jerosalema izy ireo, ny mba hitondran'ny vahoaka ho an'i Yaveh ny hetra izay nangonin'i Mosesy mpanompon' Andriamanitra tamin'Israely tany an'efitra. 10 Dia nifaly ireo mpitarika sy ny vahoaka rehetra ka nitondra vola ary nametraka izany tao amin'ireo vata mandra-pahafenon'izy ireo izany. 11 Isaky ny mitondra ny vata ho any amin'ny manam-boninahitry ny mpanjaka ireo Levita, ary isak'izay hitan'izy ireo fa misy vola betsaka ao anatin'izany, dia tonga ny mpanora-dalàn'ny mpanjaka sy ny manam-boninahitry ny mpisoronabe, ka nanafoana ny vata, sy naka izany ary nitondra izany hiverina ho eo amin'ny toerany. Nanao izany isan'andro isan'andro izy ireo, nanangona vola betsaka. 12 Nomen'ny mpanjaka sy Joiada ho an'ireo izay nanao ny asa fanompoana tao an-tranon'i Yaveh ny vola. Nanakarama mpanao trano sy mpandrafitra ireo lehilahy ireo mba hamerina amin'ny laoniny ny tranon'i Yaveh, ary niasa tao ihany koa ireo mpanefy vy sy varahana. 13 Dia nisasatra ny mpiasa, ary ny asa fanamboarana dia nandroso teo an-tanan'izy ireo; naorin'izy ireo toy ny endriny tamin'ny voalohany ilay tranon'i Yaveh ary nohamafisiny izany. 14 Rehefa vitan'izy ireo, dia nentiny tany amin'i Joiada sy ny mpanjaka ny ambim-bola. Izany vola izany dia nampiasaina hanaovana fanaka ho an'ny tranon'i Yaveh, ireo kojakoja enti-manompo sy hanaovana fanatitra—sotro sy kojakoja volamena sy volafotsy. Tsy nitsahatra nanolotra fanatitra dorana tao amin'ny tranon'i Yaveh izy ireo tamin'ny andron'i Joiada rehetra. 15 Niha antitra sy ela andro niainana i Joiada, ary dia maty izy; 130 taona izy no maty. 16 Nalevin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida niaraka tamin'ireo mpanjaka izy, satria efa nanao ny tsara tany Israely, tamin'Andriamanitra, ary tamin'ny tranon'Andriamanitra izy. 17 Ary taorian'ny nahafatesan'i Joiada, dia tonga ireo mpitarik'i Joda ary nankatò ny mpanjaka. Dia nihaino azy ireo ny mpanjaka. 18 Nahafoy ny tranon'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambeny izy ireo, ary nanompo ireo andriamanitra Aseraha sy ireo sampy. Tonga tamin'i Joda sy Jerosalema ny hatezeran'Andriamanitra noho izany fanaovan-dratsin'izy ireo izany. 19 Nefa naniraka mpaminany ho any amin'izy ireo Izy mba hitondra azy ireo hiverina any aminy, Yaveh indray; nijoro vavolombelona hanohitra ny vahoaka ireo mpaminany saingy nandà ny hihaino izy ireo. 20 Tonga tamin'i Zakaria zanaka lahin'i Joiada, ilay mpisorona ny fanahin'Andriamanitra; nitsangana teo ambonin'ny vahoaka Zakaria ary nilaza tamin'izy ireo hoe: "Izao no lazain'Andriamanitra: nahoana no mandika ireo didin'i Yaveh ianareo, ka tsy mahita fanambinana? Koa satria nahafoy an'i Yaveh ianareo, dia nahafoy anareo ihany koa Izy." 21 Kanefa izy ireo nitetika hanohitra azy; tamin'ireo didin'ny mpanjaka, dia nitora-bato azy teo an-kianjan'ny tranon'i Yaveh izy ireo. 22 Tamin'izany fomba izany, Joasy, mpanjaka, dia tsy niraharaha ny hatsaram-panahy nataon'i Joiada, rain'i Zakaria, taminy. Fa kosa, namono ny zanaka lahin'i Joiada izy. Rehefa maty i Zakaria, dia hoy izy hoe: "Yaveh anie hahita izao ary hamaly anao." 23 Ary tamin'ny fiafaran'ny taona, dia niakatra hanohitra an'i Joasy ny tafik'i Syria. Tonga tao Joda sy Jerosalema izy ireo; novonoin'izy ireo ny mpitarikin'ny vahoaka rehetra ary nandefa ireo babo rehetra ho any amin'ny mpanjakan'i Damaskosy izy ireo. 24 Ny tafik'ireo Syriana dia tonga niaraka tamin'ny tafika kely, fa Yaveh no nanome azy ireo fandresena teo amin'ireo tafika lehibe dia lehibe, satria nahafoy an'i Yaveh, ilay Andriamanintr'ireo razamben'izy ireo ny Joda. Tamin'izany no nitsaran'ny Syriana an'i Joasy. 25 Tamin'ny fotoana nandehanan'ireo Syriana, dia efa naratra mafy i Joasy. Ireo mpanompony ihany no nitetika hanohitra azy nohon'ny famonoana ireo zanaka lahin'i Joiada, mpisorona. Novonoin'izy ireo teo ambony fandriany izy, ary dia maty; nalevin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida izy, fa tsy tao amin'ny fasan'ireo mpanjaka. 26 Ireto no olona izay nitetika hanohitra azy: dia Zabada zanaka lahin'i Simata, ilay Amonita; ary Jozabada zanaka lahin'i Simrita, ilay Moabita. 27 Ankehitriny ny mahakasika ny zanany lahy, ny faminaniana lehibe izay nitenenana ny mahakasika azy, sy ny fanorenana indray ny tranon'i Yaveh Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjaka izany. Amazia zanany lahy, no nanjaka nandimby ny toerany.
D.H: "Raha ny amin'i Yaveh"
D.H: "raha mbola velona teo i Joiada"
D.H: "izao dia izao"
"Efa nanao fitondran-teny ratsy ianao. Nilaza taminao ny hitaky ireo Levita aho ... lalàn'ny fanekena, saingy tsy vitanao izany."
Na dia izany aza dia maneho ny tempoly izay nahorin'i Soloma izany, izany dia mampatsiahy fa ny "lain'ny fihaonana" dia ilay toerana masina voalohany ho an'ny olon'Andriamanitra.
Ity dia maneho ilay teny nampiasaina ao amin'ny tempoly.
D.H: "ireo izay manamboatra amin'ny vato sy ireo izay manamboatra amin'ny hazo"
D.H: "ireo izay manefy amin'ny vy"
D.H: "nataon'izy ireo tamin'ny tanana"
D.H: "isan'andro nandritry ny fiainan'i Joiada"
D.H: "nanome voninahitra ny mpanjaka"
D.H: "ny fahotan'izy ireo"
Tsy mba nitandrina na nahatsiaro akory ny halebehin'ny hatsaram-panahin'i Joiada i Joasa, rain'i Zakaria.
D.H: "hanonotra ireo ratsy izay efa vitanao ianao"
Ity dia boky izay tsy misy intsony.
1 Dimy amby roapolo taona i Amazia raha nanomboka nanjaka; nanjaka sivy amby roapolo taona tao Jerosalema izy. Joadana no anaran-dreniny, avy ao Jerosalema. 2 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, saingy tsy tamin'ny fony manontolo. 3 Ary nony tafapetraka tsara ny fanjakany, dia namono ireo mpanompo izay namono ny rainy, mpanjaka izy. 4 Kanefa tsy namono ireo zanak'ireo mpamono izy, fa nanao araka izay voasoratra tao amin'ny lalàna, tao amin'ny bokin'i Mosesy, araka ny nandidian'i Yaveh hoe: "Aoka ny ray tsy ho faty nohon'ny zanaka, na ny zanaka maty nohon'ny ray. Fa kosa, tokony ho faty nohon'ny otany ihany ny olona tsirairay." 5 Koa dia, novorian'i Amazia niaraka ny Joda, ary nandray an-tsoratra ny anaran'izy ireo araka ny taranaky ny razambeny avy, teo ambanin'ireo mpifehy ny arivo sy mpifehy ny zato—Joda sy Benjamina rehetra. Nisainy nanomboka tamin'ny roapolo taona no miakatra izy ireo, ary 300 000 ireo lehilahy voafantina, afaka mandeha an'ady, izay afaka mitàna lefona sy ampinga. 6 Nanakarama lehilahy mpiady 100 000 avy tamin' Israely ihany koa izy tamin'ny talenta volafotsy zato. 7 Fa nisy lehilahin'Andriamanitra iray tonga teo aminy ary nanao hoe: "Ry mpanjaka, aza avela hiaraka aminao ny tafik'Israely, satria Yaveh tsy momba ny Israely—na ny vahoakan'i Efraima. 8 Kanefa na dia mandeha sy mahery fo ary mahery an'ady aza ianao, dia handavo anao eo anatrehan'ny fahavalonao Andriamanitra, satria Andriamanitra dia manana fahefana hanampy, sy fahefana handavo." 9 Dia hoy Amazia tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Koa inona izany no ataonay momba ireo talenta zato izay efa nomeko ho an'ny tafik'Israely?" Ilay lehilahin'Andriamanitra namaly hoe: "Yaveh dia afaka manome anao maro mihoatra noho izany." 10 Ka dia nosarahan'i Amazia ny tafika avy taminy sy ny avy tamin'i Efraima; ary nasainy nody indray izy ireo. Koa nirehitra mafy tamin'i Joda ny hatezeran'izy ireo, ary dia nody tamin-katezerana mafy izy ireo. 11 Ary Amazia nanana herim-po ary nitarika ny vahoakany nivoaka ny Lohasahan-tsira; tao no nandreseny ireo lehilahy iray alina avy any Seira. 12 Nisambo-belona ireo iray alina hafa ny tafik'i Joda. Nentin'izy ireo tany an-tampon'ny haram-bato izy ireo ary navariny avy teny, mba hamotipotehana azy ireo rehetra. 13 Fa ireo lehilahin'ny tafika izay naverin'i Amazia, mba tsy handehanan'izy ireo miaraka aminy any an'ady, dia nanafika ireo tanànan'i Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona. Nandavo vahoaka telo arivo sy naka babo maro izy ireo. 14 Ary rehefa tafaverina avy tamin'ny famonoana ny Edomita i Amazia, dia nitondra ireo andriamanitry ny vahoakan'i Seira, sy nametraka azy ireo mba ho andriamaniny manokana izy. Niankohoka teo anoloan'ireo izy ary nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo. 15 Noho izany dia nirehitra tamin'i Amazia ny hatezeran'i Yaveh. Nandefa mpaminany ho any aminy Izy, izay nanao hoe: "Nahoana ianao no nitady ireo andriamanitry ny vahoaka izay tsy nahavonjy ireo vahoakany teo an-tananao akory?" 16 Ary raha mbola niresaka taminy ny mpaminany, dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Moa ve izahay efa nanao anao ho mpanolo-tsain'ny mpanjaka? Aoka izay! Nahoana ianao no tokony ho vonoina?" Ary dia nijanona ilay mpaminany ary nanao hoe: "Fantatro fa efa nanapa-kevitra ny handrava anao Andriamanitra satria nanao izany asa izany ianao ary tsy nihaino ny torohevitro." 17 Ary dia nila hevitra tamin'ireo mpanolo-tsaina i Amazia, mpanjakan'i Joda ary naniraka mpitondra hafatra tany amin'i Joasy zanaka lahin'i Johaza zanaka lahin'i Jeho, mpanjakan'Israely, nanao hoe: "Avia, aoka isika hifanatri-tava amin'ny ady." 18 Kanefa i Joasy mpanjakan'Israely namerina ireo mpitondra hafatra ho any amin'i Amazia mpanjakan'i Joda, nanao hoe: "Tsilo iray tany Libanona nandefa hafatra tamina sedera iray tany Libanona, nanao hoe: 'Omeo ho vadin'ny zanako lahy ny zanakao vavy,' kanefa nisy bibidia iray avy tany Libanona nandeha teo ary nanosihosy ilay tsilo. 19 Ianao efa nanao hoe: 'Indro, efa nandavo an'i Edoma aho,' ary ny fonao no nampirehareha anao. Mireharehava amin'ny fandresenao, nefa mitoera ihany any an-trano, fa nahoana ianao no tokony hiteraka korontana sy fahalavoana, ho an'ny tenanao sy Joda miaraka aminao?" 20 Saingy tsy nihaino Amazia, satria avy tamin'Andriamanitra izany tranga izany, mba hahafahany manolotra ny vahoakan'i Joda ho eo an-tanan'ireo fahavalony, satria efa nitady hevitra avy tamin'ireo andriamanitr'i Edoma izy ireo. 21 Ka dia nanafika i Joasy, mpanjakan'i Israely; izy sy Amazia, mpanjakan'i Joda, dia nifanatri-tava tao Beti-semesy, izay an'i Joda. 22 Lavo teo anatrehan'Israely ny Joda, ary nitsoaka nody ny lehilahy rehetra. 23 Joasy, mpanjakan'Israely, dia nisambotra an'i Amazia zanaka lahin'i Joasy zanaka lahin'i Ahazia, mpanjakan'i Joda, tao Beti-semesy. Nentiny tany Jerosalema izy ary nandrotika ny mandan'i Jerosalema hatrany amin'ny Vavahady Efraima ka hatrany amin'ny Vavahady an-Jorony, izay nielanelana efajato hakiho. 24 Nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra, ny zavatra rehetra izay hita tao an-tranon'Andriamanitra niaraka tamin'i Obed-edoma, ary ireo zavatra nanan-danja tao an-tranon'ny mpanjaka, niaraka tamin'ireo takalon'aina ihany koa, ary dia niverina tany Samaria. 25 Amazia zanaka lahin'i Joasy, mpanjakan'i Joda, dia niaina dimy ambin'ny folo taona taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanaka lahin'i Joahaza, mpanjakan'Israely. 26 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Amazia, ny voalohany sy ny farany, indro, moa ve izy ireo tsy efa voasoratra tao anatin'ny bokin'ireo mpajakan'i Joda sy Israely? 27 Ary nanomboka tamin'ny fotoana izay nivilian'i Amazia tamin'ny fanarahana an'i Yaveh, dia nanomboka nanao tetika hanoherana azy tany Jerosalema izy ireo. Nandositra tany Lakisy izy, kanefa izy ireo naniraka lehilahy nanaraka azy tany Lakisy ary namono azy tany. 28 Nentin'izy ireo niverina tamin'ny soavaly izy ary nandevina azy niaraka tamin'ireo razambeny tao an-Tanànan'i Joda.
Itry dia anaram-behivavy.
D.H: "raha ny hevitr'i Yaveh"
Ity dia fanoharana amin'ny bokin'ny Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery ary Deotoronomia.
Nananany ny anaran'izy ireo voasoratra tao amin'ny lisitry ny manam-pahefana.
D.H: "Ka dia nanomboka nivadika tezitra izy ireo (tahaka ny afo)"
D.H: "tezitra mafy"
Ity dia anarana faritra iray akaikin'ny Ranomasina Maty.
D.H: "mba hamonoana azy rehetra"
Ity dia tanàna kely iray akaikin'ny Jerosalema any Efraima.
D.H: "novonoina"
D.H: "nanompo ireo andriamanitra diso"
D.H: "Efa nanompo ireo andriamanitry ny olona izay tsy mbola namonjy ireo vahoakany taminao akory , Amazia mpanjka."
D.H: "Tsy nanondro anao ho ray amin'ireo mpanolon-saiko izahay. Ka aoka izay! Raha miteny betsaka ianao, dia ho teneniko ireo miaramilako hamono anao!"
Ity dia voaroy kely.
Anisany hazo lehibe iray. Eto dia mampiseho ny miaramilan'Israely izany.
D.H: "tokony tsy hampisy olana amin'ny tenanao ianao, ianao sy Joda mitambatra."
D.H: "nandresy tamin'ny"
D.H: "zavatra"
D.H: "efa nosorotan'izy ireo... Israely"
Tanàna iray ao Joda.
anarana hafa amin'ny tanànan'i Davida, na Jerosalema.
1 Ny vahoakan'i Joda rehetra naka an'i Ozia, izay enina ambin'ny folo taona, ary nanao azy ho mpanjaka eo amin'ny toeran'i Amazia rainy. 2 Izy no nanorina indray an'i Elota ary namerina nanorina izany ho an'i Joda. Taorian'izay dia nodimandry tany amin'ireo razambeny ny mpanjaka. 3 Enina ambin'ny folo taona i Ozia no nanomboka nanjaka. Nanjaka nandritry ny roa amby dimam-polo taona tao Jerosalema izy. Jekolia no anaran-dreniny; avy any Jerosalema izy. 4 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, nanaraka ny ohatra nomen'i Amazia, rainy, tamin'ny zava-drehetra. 5 Nanolotra ny tenany mba hitady an'Andriamanitra tamin'ny andron'i Zakaria, izay nanome azy ireo torolalana tamin'ny fankatoavana an'Andriamanitra izy. Raha mbola nitady an'i Yaveh izy, dia nanambina azy Andriamanitra. 6 Nivoaka i Ozia ary niady tamin'ny Filistina. Noravainy ny mandan'ny tanàna tao Gata, Jabne ary Asdoda; nanorina tanàn-dehibe tao amin'ny tanànan'i Asdoda sy teo amin'ireo Filistina izy. 7 Nampin' Andriamanitra nanohitra an'ireo Filistina izy, nanohitra ny Arabo izay nonina tao Gorabala, ary nanohitra ireo Meonita. 8 Nandoa fanomezam-boninahitra ho an'i Ozia ny Amonita, ary niely ny lazany, na dia hatrany amin'ny fidiran'i Egypta aza, satria nihanatanjaka izy. 9 Fanampin'izany, nanorina tilikambo tao Jerosalema i Ozia izay teo amin'ny Vavahady an-jorony, teo amin'ny Vavahadin-Dohasaha, sy teo amin'ny fiodinan'ny manda, ary nanamafy orina ireo. 10 Nanorina tilikambo fiambenana tany an'efitra izy ary nangady fitoeran-drano maro, satria nanana biby fiompy maro izy, tany amin'ny tany lemaka sy tany amin'ny iva. Nanana mpiompy sy mpamboly voaloboka tany amin'ny firenena sy tany amin'ny tany havoana sy tany amin'ny saha mamokatra izy, satria tiany ny fiompiana sy fambolena. 11 Fanampin'izany, nanana tafika lehilahy mpiady i Ozia izay nivoaka isam-bondrona mba hiady izay voalamina araka ny isany izay nisain'i Jeiela, mpanora-dalàna, sy Mahaseia, manam-pahefana, teo ambany fahefan'i Hanania, iray tamin'ireo mpifehin'ny mpanjaka. 12 Ny fitambaran'ny isan'ireo lohan'ny fianakavian-drazana, lehilahy mpiady, dia 2 600. 13 Teo ambany fahefan'izy ireo dia nisy tafika 307 500 lehilahy izay niady tamin-kery lehibe mba hanampy ny mpanjaka hanohitra ny fahavalo. 14 Nomanin'i Ozia ho an'izy ireo—ho an'ny tafika rehetra—ireo apinga, lefona, fiarovan-doha, fiarovan-tratra vy, tsipìka, sy vato ampiasaina amin'ny antsamotady. 15 Nanamboarany milina maro tao Jerosalema, izay noforonin'ireo lehilahy manam-pahaizana, natao teny amin'ny tilikambo sy teny an-dohan'ny manda, izay andefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Niely hatrany amin'ny tany lavitra ny lazany, satria nahazo fanampiana goavana izy mandra-pahatongany ho tena mahery. 16 Fa rehefa niha-natanjaka i Ozia, dia nieboebo ny fony ka nanao ny tsy marina izy; nivadika tamin'i Yaveh, Andriamaniny izy, satria nankao an-tranon'i Yaveh mba handoro ditin-kazo manitra teo amin'ny alitaran'ny ditin-kazo manitra. 17 Azaria, mpisorona, dia niditra nanaraka azy, mbamin'ny mpisoron'i Yaveh valo-polo, izay lehilahy be herim-po. 18 Nanohitra an'i Ozia, mpanjaka izy ireo, ary niteny taminy hoe: "Tsy anjaranao, ry Ozia, no mandoro ny ditin-kazo manitra ho an'i Yaveh, fa an'ireo mpisorona, ireo zanaka lahin' i Arona, izay voamasina no mandoro ny ditin-kazo manitra. Mivoaha tao amin'ny fitoerana masina, fa tsy nahatoky ianao ary tsy homen'i Yaveh Andriamanitra voninahitra. 19 Dia tezitra i Ozia. Nihazona lovia teny an-tanany izy mba handorana ny ditin-kazo manitra. Ary raha mbola tezitra tamin'ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra teo amin'ny handriny nanoloana ireo mpisorona tao an-tranon' i Yaveh, teo anilan'ilay alitara ho an'ny ditin-kazo manitra. 20 Azaria mpisoronabe sy ireo mpisorona rehetra dia nijery azy, ary, indro, tonga boka teo amin'ny handriny izy. Noroahin'izy ireo faingana teo izy. Ka dia nivoaka faingana tokoa izy, satria namely azy Yaveh. 21 Ozia, mpanjaka, dia boka mandra-pahafatiny ka nipetraka tao amin'ny fonenana mitokana hatramin'ny nahaboka azy, satria nesorina tao amin'ny tranon'i Yaveh izy. Jotama, zanany lahy, no tao an-dapan'ny mpanjaka ary nanapaka ny vahoakan'ny tany. 22 Ary raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Ozia, voalohany ary farany, dia ao amin'izay nosoratan'Isaia zanak'i Amosa, mpaminany. 23 Ary nodimandry tany amin'ny razambeny i Ozia; nalevin'izy ireo niaraka tamin'ireo razambeny tao amin'ny tany fandevenana izay an'ireo mpanjaka izy, fa hoy izy ireo hoe: "Boka izy." Jotama, zanany lahy, no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.
roa- "16 ... 52"
Ity dia tanàna iray any Golfa Akaba.
D.H: "maty ny mpanjaka"
D.H: "raha ny amin'i Yaveh"
D.H: "tamin'ny fomba mitovy"
D.H: "Tapa-kevitra ny hitia"
Ity dia tanàna iray any avatr'i Joda.
Ity dia tanàna iray any Arabia.
Ity dia tahaka ny fanjakan'ny vahoakan'i Maona akaikin'ny tendrombohitr'i Seira.
D.H: "ny moron'ny Egypta"
Fitoeran-drano lehibe ambany tanin'ny efitrano nampiasaina hitahirizana rano avy amin'ny orana.
Ny fiarovan-doha dia miaro ny fanaronana ny loha.
Ity dia fanaronana ny vatana vita amin'ny vy na rojo.
D.H: "lasa nirehareha izy"
D.H: "ireo taranak'i Arona"
Ity dia lovia na lasitra manokana ampiasaina amin'ny fandorona zava-manitra.
D.H: "Nalefan'izy ireo nitsoaka faingana izy"
D.H: "nataon'i Yaveh narary izy"
Ity dia manondro izay nipetrahany avy amin'ny trano hafa sy olona hafa.
D.H: "zavatra"
D.H: "ka dia maty i Ozia"
1 Dimy amby roapolo taona i Jotama raha nanomboka nanjaka; nanjaka enina ambin'ny folo taona tany Jerosalema izy. Jerosa no anaran-dreniny; zanaka vavin'i Zadoka izy. 2 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, nanaraka ny ohatra nataon-drainy, dia i Ozia, tamin'ny zavatra rehetra. Nitsahatra tamin'ny fidirana tao an-tempolin'i Yaveh ihany koa izy. Kanefa mbola nitondra tena tamin'ny fomba ratsy ihany ny vahoaka. 3 Nanamboatra ny vavahady ambonin'ny tranon'i Yaveh izy, ary nanamboatra betsaka teo amin'ny havoan'i Ofela. 4 Fanampin'izany dia nanamboatra tanàna tany amin'ny tany havoan'i Joda, sy nanamboatra rova sy tilikambo tany amin'ireo ala izy. 5 Niady tamin'ny mpanjakan'ny vahoakan'i Amona ihany koa izy ary nandresy azy ireo. Tamin'izany taona izany ihany, no nanomezan'ny vahoakan'i Amona azy talenta volafotsy zato, vary tritrika iray alina fatra, vary hordea iray alina fatra. Nomen'ny vahoakan'i Amona azy tahaka izany ihany izy ny taona faharoa sy fahatelo. 6 Koa dia nihanahery i Jotama satria nandeha nahitsy teo anoloan'i Yaveh Andriamaniny. 7 Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jotama, ny adiny rehetra, ary ireo lalany, indro, voasoratra ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'Israely sy Joda izany. 8 Dimy amby roapolo taona izy raha nanomboka nanjaka; nanjaka nandritry ny enina ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. 9 Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Jotama, ary nalevin'izy ireo tao an-tanànan'i Davida izy. Ahaza, zanany lahy, no tonga mpanjaka nandimby ny toerany.
D.H: "raha ny amin'i Yaveh"
D.H: "tamin'ny fomba mitovy"
Ity dia havoana any Jerosalema.
D.H: "tamin'ny taona faharoa sy fahatelo taorian'ny nandreseny azy ireo"
D.H: "Nankatò an'i Yaveh tsy nivadika izy" na "niaina tamin'ny fankafizana an'i Yaveh tanteraka izy"
Ity dia boky izay tsy misy intsony.
D.H: "maty i Jotama"
1 Roapolo taona i Ahaza no nanomboka nanjaka, ary nanjaka enina ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Tsy nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, tahaka ny nataon'i Davida razambeny. 2 Fa kosa, nandeha tamin'ny lalan'ireo mpanjakan'Israely izy; nanamboatra sarin-javatra araraka ho an'ireo Bala ihany koa izy. 3 Fanampin'izany, nandoro emboka manitra tao amin'ny Lohasahan'i Bena-hinoma izy ary nandefa ireo zanany tao anaty afo, araka ireo asa fanompoan-tsampin'ny olona izay noteren'i Yaveh hiala tamin'ny taniny talohan'ny vahoakan'Israely. 4 Nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra tao amin'ny fitoerana avo sy teny amin'ireo havoana ary tany ambanin'ny hazo maitso rehetra izy. 5 Noho izany Yaveh Andriamanitr'i Ahaza, dia nanolotra azy teo an-tanan'ny mpanjakan'i Syria. Nandresy azy ny Syriana ary nitondra vahoaka gadra marobe niala teo aminy, nitondra azy ireo nankany Damaskosy. Natolotra teo an-tanan'ny mpanjakan'Israely izay nandresy azy tamin'ny famonoana lehibe ihany koa Ahaza. 6 Fa Peka zanaka lahin'i Remalia, dia namono miaramila 120 000 tao Joda tao anatin'ny iray andro, lehilahy be herim-po avokoa izy rehetra, satria izy ireo dia nahafoy an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo. 7 Zikry, lehilahy mahery iray avy any Efraima, namono an'i Mahaseia zanaka lahin'ny mpanjaka, Azrikama, manam-pahefana eo amin'ny lapa, ary i Elkana, izay akaiky ny mpanjaka. 8 Ny tafik'Israely dia naka babo 200 000 vady, zanaka lahy, ary zanaka vavy avy tamin'ireo havan'izy ireo. Naka babo maro be ihany koa izy ireo, izay nentiny niverina tany Samaria. 9 Fa nisy mpaminanin'i Yaveh iray tany, Obeda no anarany. Nivoaka mba hitsena ny tafika izay tonga avy any Samaria izy. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Satria Yaveh, ilay Andriamanitry ny razambenareo, tezitra tamin'i Joda, dia nanolotra azy ireo teo an-tananareo Izy. Fa namono azy ireo tamin-katezerana izay mahatakatra ny lanitra ianareo. 10 Ary mihevitra ny hihazona ireo lehilahy sy vehivavin'i Joda sy Jerosalema ho andevonareo ianareo. Fa moa ve ianareo tsy meloka tamin'ireo fahotanareo tamin'i Yaveh Andriamanitrareo? 11 Koa ankehitriny, mihainoa ahy: Alefaso ireo gadra, izay nalainareo tamin'ireo rahalahinareo, fa mirehitra aminareo ny hatezeran'i Yaveh." 12 Ary ireo mpitarika ny vahoakan'i Efraima sasany—Azaria zanaka lahin'i Johanana, Berekia zanaka lahin'i Mesilemota, Jehizkia zanaka lahin'i Saloma, ary i Amasa zanaka lahin'i Hadlay, nitsangana hanohitra ireo izay niverina avy tany amin'ny ady. 13 Hoy izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Aoka tsy hitondra ireo gadra aty ianareo, satria mitady hitondra zavatra izay hampanota anay hanohitra an'i Yaveh ianareo, mba hanampy ireo otanay sy ireo fahadisoanay, fa lehibe ny fahadisoanay, ary misy firehetan-katezerana amin'Israely." 14 Koa namela ireo gadra sy ireo babo teo anatrehan'ireo mpitarika sy fivondronana rehetra ireo lehilahy mitam-piadiana. 15 Niarina ireo lehilahy izay voatendry tamin'ny anarana ary naka ireo gadra, sy nampiakanjo ireo rehetra tsy nitafy teo amin'izy ireo niaraka tamin'ireo babo. Nampiakanjoan'izy ireo ireny ary nomeny kapa. Nomen'izy ireo sakafo hohanina sy zava-pisotro izy ireo. Nitsabo ny ratran'izy ireo ary nametraka ireo malemy teo ambony boriky izy ireo. Nentin'izy ireo niverina tany amin'ny fianakaviany tany Jeriko izy ireo, (antsoina hoe Tanànan'ny Palma). Avy eo dia niverina tany Samaria izy ireo. 16 Tamin'izany fotoana izany Ahaza Mpanjaka dia nandefa mpitondra hafatra tany amin'ireo mpanjakan'i Asyria mba hangataka azy ireo hanampy azy. 17 Satria mbola tonga indray ireo Edomita ary nanafika an'i Joda, nitondra an'ireo gadra. 18 Ireo Filistina ihany koa dia nanafika ireo tanànan'ireo tany lemaka sy ny an'i Negeva ao Joda. Nalain'izy ireo i Beti-semesy, Aialona, Gederota, ary Soko sy ireo zana-bohiny, Timna sy ireo zana-bohiny, ary Gimzo sy ireo zana-bohiny ihany koa. Nandeha nipetraka tany amin'ireo toerana ireo izy ireo. 19 Fa i Yaveh nampietry an'i Joda noho i Ahaza, mpanjakan'Israely, satria izy nanao ratsy tao Joda sy nanota mafy dia mafy tamin'i Yaveh tokoa. 20 Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, dia tonga teo aminy ary nanakorontana azy raha tokony nankahery azy. 21 Fa i Ahaza dia nambabo ny tranon'i Yaveh sy ireo ankohonan'ny mpanjaka ary ireo mpitarika, mba hanome zava-tsarobidy ho an'ireo mpanjakan'i Asyria. Saingy tsy nahazoany tombony ny fanaovana izany. 22 Io Ahaza Mpanjaka io ihany no nanohitra bebe kokoa an'i Yaveh tamin'ny fotoan'ny fahoriany. 23 Satria nanao sorona tamin'ireo andriamanitr'i Damaskosy izy, andriamanitra izay efa nandresy azy. Hoy izy hoe: "Satria nanampy azy ireo ny andriamanitr'ireo mpanjakan'i Syria, dia hisorona ho azy ireo aho, mba hanampy ahy izy ireo." Kanefa faharavana ho azy sy Israely rehetra izy ireo. 24 Nangonin'i Ahaza ireo fanaka tao amin'ny tranon'Andriamanitra ary nokapakapainy. Nakatony ireo varavaran'ny tranon'i Yaveh ary nanao alitara ho azy teo amin'ny zoron'i Jerosalema rehetra izy. 25 Tany amin'ny tanànan'i Joda rehetra no nanaovany fitoerana avo mba handorana sorona ho an'ireo andriamani-kafa. Niantsy an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambeny izy. 26 Ary ny sisa tamin'ireo asany, sy ireo lalany rehetra, voalohany ary farany, dia indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy Israely. 27 Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Ahaza, ary nalevin'izy ireo tao amin'ny tanàna, tao Jerosalema izy, fa tsy nentin'izy ireo tany amin'ny fasan'ireo mpanjakan'Israely. Hezekia, ilay zanany lahy, no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
D.H: "raha ny hevitr'i Yaveh."
D.H: "nanota tahaka ireo mpanjakan'Israely teo anatrehany izy."
Ity dia lohasaha any Jerosalema.
D.H: "amin'izao rehetra izao"
D.H: "manampy anao izy handresy azy ireo"
D.H: "Saingy tsarovy, meloka ianao ... tamin'i Yaveh Andriamanitrao."
Ity dia karazana kiraro.
D.H: "Nomen'izy ireo fitsaboana manokana izy ireo.
D.H: "nanome boriky an'ireo izay tsy afa-mamindra"
D.H: "nampietry an'i Ahaza i Yaveh."
Ity dia Tiglato-pilesera III, fanatatra ihany koa toy an'i Pola.
D.H: "rehefa nijaly izy"
D.H: "hisorona ho azy ireo aho"
"fanaka sy ireo fitaovana hafa"
D.H: "tao amin'ny Jerosalema rehetra"
D.H: "izay rehetra nataony"
Ity dia boky izay tsy misy intsony.
"Maty i Ahaza"
1 Nanomboka nanjaka i Hezekia tamin'ny fahadimy amby roapolo taonany; nanjaka nandritry ny sivy amby roapolo taona tany Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Abia; zanaka vavin'i Zakaria. 2 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, tahaka ny efa nataon'i Davida rainy. 3 Tamin'ny taona voalohany nanjakany, tamin'ny volana voalohany, dia nanokatra ireo varavaran'ny tranon'i Yaveh i Hezekia ary namboatra ireo. 4 Nampiditra ireo mpisorona sy ireo Levita izy, ary namory azy ireo niaraka tao amin'ny kianja tamin'ny ilany atsinanana. 5 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mihainoa ahy, ianareo Levita! Amasino ny tenanareo, ary amasino ny tranon'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razambenareo, ary esory hiala amin'ny fitoerana masina ny fahalotoana. 6 Fa nanota ireo razambentsika ary nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh Andriamanintsika; nahafoy Azy izy ireo, nampihodina ny tavan'izy ireo niala tamin'ny toerana izay honenan'i Yaveh, ary nampitodika ny lamosin'izy ireo ho amin'izany. 7 Nohidian'izy ireo ihany koa ireo varavaran'ny lavarangana ary novonoiny ny jiro; tsy nandoro ditin-kazo manitra izy ireo na fanatitra dorana tao amin'ny toerana masina ho an'ilay Andriamanitr'Israely. 8 Noho izany dia nilatsaka teo amin'i Joda sy Jerosalema ny hatezeran'i Yaveh, ary nataony toy ny zavatra fampihorohoroana, fampitahorana, sy fanalam-baraka izy ireo, araka ny hitanareo amin'ny masonareo. 9 Izany no antony nahalavo ireo raintsika tamin'ny sabatra, sy nahababo ireo zanantsika lahy, sy ireo zanantsika vavy, ary ireo vadintsika. 10 Ankehitriny dia ato am-poko ny hanao fanekena amin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, mba hialan'ny fahatezerany mirehitra amintsika. 11 Ry zanako, aza malaina izao, satria Yaveh efa nifidy anareo mba hitsangana eo anoloany, mba hanompo Azy, ary mba ho mpanompony sy ho emboka manitra." 12 Avy eo dia nitsangana ireo Levita: dia Mahata zanaka lahin'i Amasay, sy Joela zanaka lahin'i Azaria, avy amin'ny olon'ireo Kohalita; ary ireo olon'i Merary, Kisy zanaka lahin'i Abdia, sy Azaria zanaka lahin'i Jehalalila; ary ireo Gersonita, Joa zanaka lahin'i Zima, ary Edena zanaka lahin'i Joa; 13 avy amin'ireo zanaka lahin'i Elizafana, Simry sy Jeiela; ary avy amin'ireo zanaka lahin'i Asafa, Zakaria ary Matania; 14 avy amin'ny zanaka lahin'i Hemana, Jehiela ary Simei; ary avy amin'ny zanaka lahin'i Jedotona, Semaia ary Oziela. 15 Namory ireo rahalahiny izy ireo, ary nanamasina ny tenany, ka niditra, araka ny nandidian'ny mpanjaka, tamin'ny fanarahana ireo tenin'i Yaveh, mba hanadio ny tranon'i Yaveh. 16 Niditra tao amin'ny efitra anatin'ny tranon'i Yaveh ireo mpisorona mba hanadio izany; nentin'izy ireo nivoaka ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin'i Yaveh tao an-kianjan'ny trano. Nalain'ireo Levita izany mba hanalana izany ao an-dohasahan-driakan'i Kidrona. 17 Ary natombok'izy ireo ny fanamasinana tamin'ny andro voalohan'ny volana voalohany. Ary tamin'ny andro fahavalon'ny volana dia nihazo teo amin'ny lavarangan'i Yaveh izy ireo. Ary nandritry ny valo andro hafa ihany koa dia nanamasina ny tranon'i Yaveh izy ireo. Tamin'ny andro fahenina ambin'ny folon'ny volana voalohany dia vitan'izy ireo izany. 18 Avy eo izy ireo nandeha tany amin'i Hezekia, ilay mpanjaka, tao amin'ny lapa ary niteny hoe: "Efa nanadio ny tranon'i Yaveh manontolo izahay, ny alitara ho an'ireo fanatitra dorana miaraka amin'ny fampiharany rehetra, sy ny latabatry ny mofon'ny fanatrehana, miaraka amin'ny fampiharany rehetra. 19 Koa efa niomana izahay ary efa nohamasininay ireo fitaovana rehetra izay nesorin'i Ahaza mpanjaka fony niasa tsy am-pahatokiana nandritry ny fanjakany izy. Indro, eo anatrehan'ny alitaran'i Yaveh ireo." 20 Avy eo Hezekia mpanjaka nifoha maraina ary namory ireo mpitariky ny tanàna; nandeha niakatra tany amin'ny tranon'i Yaveh izy. 21 Nitondra omby lahy fito, ondrilahy fito, zanak'ondry fito, ary osilahy fito ho fanatitra nohon'ny ota ho an'ny fanjakana, ho an'ny fitoerana masina, ary ho an'i Joda izy ireo. Nandidy an'ireo mpisorona, ireo zanaka lahin'i Arona izy, mba hanatitra ireo eo amin'ny alitaran'i Yaveh. 22 Koa dia novonoin'izy ireo ny omby, ary noraisin'ireo mpisorona ny rà ka nafafiny teo amin'ny alitara. Novonoin'izy ireo ny ondry lahy ary nafafiny teo amin'ny alitara ny rà; novonoin'izy ireo ihany koa ireo zanak'ondry ary nafafiny teo amin'ny alitara ny rà. 23 Nentin'izy ireo teo anoloan'ny mpanjaka sy ny fivondronana ireo osilahy ho fanatitra nohon'ny ota; napetrak'izy ireo teo amin'izany ny tanany. 24 Novonoin'ireo mpisorona izany, ary nanao fanatitra nohon'ny ota tamin'ny ràn'ireo teo amin'ny alitara mba hanaovana fanavotana ho an'Israely izy ireo, satria nandidy ny mpanjaka fa tokony hisy fanatitra dorana sy fanatitra nohon'ny ota hatao ho an'Israely manontolo. 25 Napetrak'i Hezekia tao amin'ny tranon'i Yaveh niaraka tamin'ny kipantsona, harpa, ary lokanga ireo Levita, nalahany araka ny baikon'i Davida, Gada, ilay mpahitan'ny mpanjaka, sy Natana, ilay mpaminany, satria avy amin'i Yaveh tamin'ny alalan'ireo mpaminaniny ny baiko. 26 Nijoro niaraka tamin'ireo zava-manenon'i Davida ireo Levita, ary ireo mpisorona niaraka tamin'ireo trompetra. 27 Nandidy azy ireo mba hanolotra ilay fanatitra dorana ho eo amin'ny alitara i Hezekia. Rehefa nanomboka ny fanatitra dorana, dia nanomboka ihany koa ny hiran'i Yaveh, niaraka tamin'ireo trompetra, mbamin'ireo zava-manenon'i Davida, mpanjakan'Israely. 28 Nihoby avokoa ny fiangonana rehetra, nihira ireo mpihira, ary nitsoka ireo mpampaneno trompetra; nitohy hatrany ireo rehetra ireo ambara-pahavitan'ny fanatitra dorana. 29 Rehefa vitan'izy ireo ny fanatitra, dia niankohoka sy nitsaoka ny mpanjaka sy ireo rehetra izay nanatrika niaraka taminy. 30 Ankoatra izany, Hezekia, ilay mpanjaka, sy ireo mpitarika dia nandidy an'ireo Levita mba hihira fiderana ho an'i Yaveh tamin'ny tenin'i Davida sy Asafa mpahita. Nihira fiderana tamim-pifaliana izy ireo, ary niankohoka sy nidera. 31 Dia hoy Hezekia hoe: "Ankehitriny dia nanamasina ny tenanareo ho an'i Yaveh ianareo. Avia eto ka ento ho ao an-tranon'i Yaveh ireo sorona sy ireo fanati-pisaorana." Nentin'ny fiangonana ireo sorona sy ireo fanati-pisaorana, ary ireo rehetra izay nanana fo feno finiavana dia nitondra fanatitra dorana. 32 Ombilahy fitopolo, ondrilahy zato, ary zanak'ondry lahy roanjato no isan'ireo fanatitra dorana nentin'ny fiangonana. Ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh avokoa ireo rehetra ireo. 33 Omby eninjato sy ondry telo arivo ireo fanatitra voahasina. 34 Fa vitsy loatra ireo mpisorona raha hanendaka ny hoditr'ireo fanatitra dorana, ka dia nanampy azy ireo ny rahalahiny, ireo Levita, ambara-pahavitan'ny asa, ary ambara-pahafahan'ireo mpisorona nanamasina ny tenan'izy ireo, fa nitandrina ny hanamasina ny tenan'izy ireo kokoa noho ireo mpisorona ireo Levita. 35 Fanampin'izany, dia nisy fanatitra dorana maro be; nampiarahana tamin'ny saboran'ny fanati-pihombonana ireo, ary nisy fanatitra sotroina ho an'ny fanatitra dorana rehetra. Koa dia nilamina tsara ny fanompoana tao an-tranon'i Yaveh. 36 Niravoravo Hezekia, ary ny vahoaka rehetra ihany koa, noho izay efa nomanin'Andriamanitra ho an'ny olona, satria vita vetivety ny asa.
Ity dia anaram-behivavy.
D.H: "Raha ny hevitr'i Yaveh."
Ity dia volana voalohany ao amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny tapany faran'ny volana Martsa ary tapan'ny volana Aprily amin'ny tetiandro tavaratra.
D.H: "esory ny tsy fahadiovana" na "esory ny fahalotoana"
D.H: "Raha ny amin'i Yaveh."
D.H: "azo antoka"
D.H: "araka izay hitanareo amin'ny tenanareo"
D.H: "izany no antony nahafaty ireo raintsika tamin'ny ady."
D.H: "mety hanao fihetsika amin'ny hatezerany eo amintsika Izy."
Lakan-drano kely izay mikoriana eny amin'ny ilany atsinanan'ny Jerosalema. Tamin'ny fotoana nampiasaina izany fatim-pako izany.
Ity dia volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro voalohany dia manamarika ny andro izay nitondran'i Yaveh ireo vahoaka nivoaka an'ny Egypta. Ity dia akaikin'ny tapakin'ny volana Marsa eo amin'ny tetiandro tavaratra.
Ity dia manakaiky ny faran'ny volana Marsa eo amin'ireo tetiandro tavaratra.
Ity dia manakaiky ny fiatombohan'ny volana Aprily eo amin'ireo tetiandro Tavaratra.
D.H: "nandritry ny fotoana izay nanjakany"
vy boribory fisaka manify roa, dia mihira miaraka anaovana feo mafy.
Ireo dia fanatitry ny fanatim-pisaorana.
D.H: "izay naniry"
D.H: "nitandrina ny hanaraka ireo fitsipika amin'ny fanadiovana ny tenan'izy ireo."
D.H: "ireo mpisorona dia nandoro saboran'ny biby izay nisorona tamin'ny fandraisam-pihavanana tsara avy amin'Andriamanitra; "
D.H: "niverina amin'ny laoniny tamin'ny alalan'ireo mpisorona nifanaraka tamin'ny fitondrana"
1 Nandefa iraka tamin'Israely sy Joda rehetra i Hezekia, ary koa nanoratra taratasy ho an'i Efraima sy Manase, fa tokony ho tonga ao an-tranon'i Yaveh any Jerosalema izy ireo, mba hankalaza ny Paska ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. 2 Fa ny mpanjaka, ireo mpitariny, sy ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra, nanapa-kevitra ny hankalaza ny Paska amin'ny volana faharoa. 3 Tsy afaka nankalaza izany teo no ho eo anefa izy ireo, satria tsy ampy ireo mpisorona izay nanamasina ny tenan'izy ireo, na ny olona izay niara nivory tany Jerosalema. 4 Toa marina teo imason'ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany tolo-kevitra izany. 5 Ka nanaiky ny hanao fanambarana manerana an'Israely manontolo izy ireo, hatrany Beriseba ka hatrany Dana, fa ny vahoaka dia tokony ho tonga hankalaza ny Paska ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, tao Jerosalema. Fa izy ireo dia tsy nitandrina izany niaraka tamin'ny vahoaka maro an'isa, araka izay voasoratra. 6 Noho izany ireo iraka dia nandeha nitondra ny taratasy avy amin'ny mpanjaka sy ireo mpitariny nanerana an'Israely sy Joda rehetra, araka ny baikon'ny mpanjaka. Hoy izy ireo hoe: "Ianareo vahoakan'Israely, miverena amin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Abrahama, Isaka, ary Israely, mba hiverenany amin'ny sisa tavela aminareo izay tafatsoaka avy teo an-tanan'ireo mpanjakan'i Asyria. 7 Aoka ianareo tsy hitovy amin'ny razambenareo na ny rahalahinareo, izay nanota tamin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo, ka nandringanany azy ireo, araka ny hitanareo. 8 Ary aza mafy loha, tahaka ireo razambenareo; fa kosa, manolora tena ho an'i Yaveh ianareo ary midira ao amin'ny fitoerany masina, izay efa nohamasininy mandrakizay, ary manompoa an'i Yaveh Andriamanitrareo mba hiala aminareo ny firehetan'ny hatezerany. 9 Fa raha miverina amin'i Yaveh ianareo, dia hahita fangoraham-po manoloana an'ireo izay nitondra azy ireo ho gadra ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka hiverina amin'ity tany ity izy ireo. Fa Yaveh Andriamanitrareo, dia mahari-po sy mpamindra fo, ary tsy hanafina ny tavany aminareo, raha miverina Aminy ianareo." 10 Ka dia lasa ireo iraka nandeha isan-tanàna nanerana ny faritr'i Efraima sy Manase, ny lalana rehetra nankany Zebolona, fa nihomehy sy naneso azy ireo ny olona. 11 Na izany aza, ny sasany tamin'ny lehilahin'i Aseraha sy Manase ary Zebolona dia nanetry tena ka tonga tany Jerosalema. 12 Tonga tamin'i Joda ihany koa ny tanan'Andriamanitra, mba hanome fo iray azy ireo, mba hanatanteraka ny didin'ny mpanjaka sy ireo mpitarika tamin'ny alalan'ny tenin'i Yaveh. 13 Vahoaka maro, fiangonana lehibe tokoa, no tafangona tany Jerosalema mba hankalaza ny firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Masirasira tamin'ny volana faharoa. 14 Dia nitsangana izy ireo ary naka ireo alitara izay tany Jerosalema, sy ireo alitara rehetra ho an'ny ditin-kazo manitra; natsipin'izy ireo tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona izany. 15 Avy eo dia namono ny zanak'ondrin'ny Paska izy ireo tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana faharoa. Menatra ireo mpisorona sy ireo Levita, ka nanamasina ny tenany sy nitondra fanatitra dorana tao an-tranon'i Yaveh izy ireo. 16 Nijoro teny amin'ny toerany avy araka ny fizaràny izy ireo, manaraka ireo torolalana nomena tao amin'ny lalàn'i Mosesy, ilay lehilahin'Andriamanitra. Nafafin'ireo mpisorona ny rà izay noraisiny avy tamin'ny tanan'ireo Levita. 17 Satria nisy maro tamin'ny fiangonana no tsy nanamasina ny tenany. Noho izany dia namono ny zanak'ondrin'ny Paska ho an'ny olona rehetra tsy voadio sy tsy afaka nanamasina ny soron'izy ireo ho an'i Yaveh ireo Levita. 18 Fa vahoaka marobe, maro tamin'izy ireo avy any Efraima sy Manase, Isakara sy Zebolona, no tsy nanadio ny tenan'izy, nefa nihinana ny sakafon'ny Paska ihany izy ireo, tsy araka izay fampianarana voasoratra. Dia nivavaka ho azy ireo i Hezekia, nanao hoe: "Enga anie Yaveh tsara hamindra fo ny olona rehetra 19 izay manefy ny fony hitady an'Andriamanitra, Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambeny, na dia tsy voadio tamin'ny fahadiovana araka ny fenitry ny fitoerana masina aza izy." 20 Ka dia nihaino an'i Hezekiah i Yaveh ary nanasitrana ny vahoaka. 21 Ny vahoakan'Israely izay tany Jerosalema dia nitandrina tamin-kafaliam-be ny firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Masirasira nandritry ny hafitoana. Ireo Levita sy ireo mpisorona dia nidera an'i Yaveh isan'andro isan'andro, nihira niaraka tamin'ny zava-maneno mafy ho an'i Yaveh. 22 Ary Hezekiah nampahery ireo Levita rehetra izay nahatakatra ny fanompoana an'i Yaveh. Koa dia nihinana tamim-piravoravoana nandritry ny hafitoana izy ireo, nanolotra ireo sorona ho fanati-pihombonana, ary nibebaka tamin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razam-ben'izy ireo. 23 Ary ny fiangonana manontolo nanapa-kevitra ny hankalaza hafitoana hafa, ka nanao izany tamin-kafaliana izy ireo. 24 Ary Hezekia mpanjakan'i Joda nanome ombilahy arivo sy ondry fito arivo ho an'ny fiangonana ho fanatitra; ary ireo mpitarika nanome ombilahy arivo sy ondry aman'osy iray alina ho an'ny fiangonana. Mpisorona maro an'isa no nanamasina ny tenany. 25 Ny fiangonan'i Joda rehetra, miaraka amin'ireo mpisorona sy ireo Levita, ary ny vahoaka rehetra izay niara-tonga avy tany Israely, ary ireo vahiny izay tonga avy tany amin'ny tanin'Israely sy ireo izay nipetraka tany Joda dia nifaly avokoa. 26 Ka dia nisy fifaliam-be tao Jerosalema, fa hatramin'ny fotoan'i Solomona zanak'i Davida, mpanjakan'Israely, dia tsy mbola nahitana tahaka izany tao Jerosalema. 27 Ary nitsangana sy nitso-drano ny vahoaka ireo mpisorona, sy ireo Levita. Re ny feon'izy ireo, ary ny vavak'izy ireo niakatra tany an-danitra, ilay fitoerana masina izay onenan'Andriamanitra.
Ireo Israelita dia nankalaza ny Paska nandridry ny volana voalohan'ny tetiandro Hebreo raha ny tokony ho izy. Ny volana voalohany dia mandritra ny faran'ny tapakin'ny volana Martsa sy ny tapakin'ny voalohan'ny volana Aprily amin'ny tetiandro Tavaratra.
Ity dia volana faharoa amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny tapakin'ny faran'ny volana Aprily sy tapakin'ny voalohan'ny volana May amin'ny tetiandro Tavaratra.
D.H: "raha ny amin'ny"
D.H: "ny vahoakan'Israely rehetra"
Ity dia olona izay mitondra hafatra.
D.H: "Izy no nahatonga azy ireo ho ringana"
D.H: "mankatoava an'i Yaveh" na "atolory an'i Yaveh ny tenanareo"
Ity dia volana faharoa amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny tapakin'ny faran'ny volana Aprily sy tapakin'ny voalohan'ny volana May amin'ny tetiandro Tavaratra.
Ity dia lakan-drano kely any amin'ny lohasahin'ny Kidrona.
Ity dia manakaiky ny fiatombohan'ny volana May amin'ny tetiandro Tavaratra.
D.H: "dia nijoro teo amin'ny toerana naha voatondro azy izy ireo"
D.H: "namono zanak'ondry fanao isakin'ny Paska"
Ity dia fanoharana amin'ireo zava-manenon'ny mozika.
1 Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nivoaka ho any amin'ireo tanànan'i Joda ny vahoakan'Israely rehetra izay tany ka nanorotoro ireo andrim-bato sy nanapaka ireo baon'Aseraha, ary noravan'izy ireo ny fitoerana avo sy ireo alitara tao amin'i Joda sy Benjamina, sy tao Efraima ary Manase rehetra, mandra-paharavan'izy ireo azy rehetra. Dia niverina ny vahoakan'Israely rehetra, ny tsirairay tany amin'ny fananany sy ny tanànany avy. 2 Notendren'i Hezekia ny fizaràn'ireo mpisorona sy ireo Levita voalamina araka ny fizaràn'izy ireo, ny lehilahy tsirairay notendrena tamin'ny asany, dia ireo mpisorona sy ireo Levita. Notendreny izy ireo mba hanao ny fanatitra dorana sy fanati-pihombonana, mba hanompo, mba hanolotra fisaorana, ary mba hidera eo amin'ireo vavahadin'ny tempolin'i Yaveh. 3 Notendreny ihany koa ny anjaran'ny mpanjaka ho an'ny fanatitra dorana avy amin'ireo fananany manokana, izany dia, ho an'ny fanatira dorana maraina sy fanatitra dorana hariva, ary ny fanatitra dorana ho amin'ny andro sabata, ireo volana vaovao, sy ny andro firavoravoana voatendry, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Yaveh. 4 Ankoatra izay, nandidy ny vahoaka izay nipetraka tany Jerosalema mba hanome anjara ho an'ireo mpisorona sy ireo Levita izy, mba hahafahan'izy ireo mifantoka amin'ny fankatoavana ny lalàn'i Yaveh. 5 Vantany vao nalefa ny baiko, dia nomen'ny vahoakan'Israely tamin'ny fahalala-tanana ireo voaloham-bokatry ny vary, divay vaovao, diloilo, tantely, sy ny avy amin'ireo vokatra tany an-tsaha. Nentin'izy ireo ny ampahafolon'ny zavatra rehetra; izay tena be dia be. 6 Ny vahoakan'Israely sy Joda izay nonina tao amin'ireo tanànan'i Joda ihany koa dia nitondra ny ampahafolon'ny biby fiompy sy ondry, ary ny ampahafolon'ireo zava-masina izay natokana ho an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo, ary nangonin'izy ireo ho antonta izany. 7 Tamin'ny volana fahatelo no nanombohan'izy ireo nanangona ny fandraisana anjarany ho antontany, ka nofaranan'izy ireo tamin'ny volana fahafito. 8 Rehefa tonga ary nijery ireo antontany i Hezekia sy ireo mpitarika, dia nisaotra an'i Yaveh sy ny Israely vahoakany izy ireo. 9 Avy eo Hezekia nanontany an'ireo mpisorona sy ireo Levita momba ireo antontany. 10 Azaria, mpisoronabe, avy amin'ny fokon'i Zadoka, namaly azy ary nanao hoe: "Satria ireo vahoaka nanomboka nitondra fanatitra tao an-tranon'i Yaveh, dia nihinana izahay ka voky, ary feno ambiny, satria efa notahian'i Yaveh ny vahoakany. Ireo zavatra be dia be eto ireo no ambiny." 11 Dia nandidy ny hanomanana trano fitehirizana ao an-tranon'i Yaveh i Hezekia, ka dia nomanin'izy ireo izany. 12 Avy eo nentin'izy ireo tamim-pahatokiana ilay fanatitra, ny ampahafolony sy ireo zavatra izay an'i Yaveh. Konania, ilay Levita, no mpitantana nisahana ireo, ary Simey, rahalahiny, no faharoa nanampy azy. 13 Jehiela, Azazia, Nahata, Asahela, Jerimota, Jozabada, Eliala, Jismakia, Mahata, ary Benaia no mpitantana teo ambany fahefan'i Konania sy Simey rahalahiny, tamin'ny fanendren'i Hezekia, mpanjaka, sy Azaria, manam-boninahitra teo amin'ny tranon'Andriamanitra. 14 Kore zanaka lahin'i Jimna ilay Levita, mpiandry varavarana teo atsinanan'ny vavahady, no teo amin'ny fanatitra an-tsitrapo ho an'Andriamanitra, nisahana ny fizaràna ireo fanatitra ho an'i Yaveh sy ireo fanatitra masina indrindra. 15 Teo ambany fahefany no nisy an'i Edena, Miamina, Jesoa, Semaia, Amaria, ary Sekania, tao amin'ny tanànan'ireo mpisorona. Nofenoin'izy ireo fahatokiana ireo anjara fanompoana, mba hanomezana ireo fanatitra ireo ho an'ny rahalahin'izy ireo isam-pizaràna, dia ny manan-danja sy ny tsy manan-danja. 16 Nomen'izy ireo ihany koa ireo lehilahy telo taona no miakatra, izay voatanisa tao amin'ny firaketana an-tsoratr'ireo razambeny izay niditra tao an-tranon'i Yaveh, araka izay notakian'ny fanao andavanandro, mba hanao ny asa tao amin'ireo anjara fanompoany sy fizaràn'izy ireo. [1]17 Nozarain'izy ireo ho an'ny mpisorona araka ny firaketana an-tsoratr'ireo razambeny, ary toy izany koa ho an'ireo Levita roapolo taona no mihoatra, araka ny asa fanompoany sy fizaràn'izy ireo. 18 Tafiditra anatin'izany ny zanany madinika, ireo vadiny, ireo zanany lahy, ary ireo zanany vavy, manerana ny fiarahamonina manontolo, satria izy ireo dia nahatoky tamin'ny fitandremana ny tenan'izy ireo ho masina. 19 Ho an'ireo mpisorona, dia ireo taranak'i Arona, izay tany an-tsaha tany amin'ireo zana-bohitra tao an-tanànan'izy ireo, na tany amin'ny tanàna rehetra, dia nisy lehilahy notendrena tamin'ny anarana mba hanome anjara ho an'ireo lehilahy rehetra teo amin'ireo mpisorona, sy ho an'ireo rehetra izay voatanisa tao amin'ny firaketana an-tsoratr'ireo razambeny teo amin'ireo Levita. 20 Nataon'i Hezekia nanerana an'i Joda rehetra izany. Notanterahiny izay tsara, marina, ary mahatoky teo imason'i Yaveh, Andriamaniny. 21 Isaky ny tetikasa izay natombony tao amin'ny fanompoana tao an-tranon'Andriamanitra, ny lalàna, ary ireo didy, mba hitadiavana ny Andriamaniny, dia notanterahiny tamin'ny fony manontolo izany, ka nahomby izy.
Mety midika hoe D.H: "ny anakamaroan'ny vahoakan'Israely rehetra"'
Naka hena sy vary nampiasaina ho an'ny fanatitra dorana ivelan'ny fananany manokana i Hezekia.
Ity dia firavoravoana nifanaraka tamin'ny fihetsikin'ny volana.
Ity maneho firavoravoana izay mitranga eo amin'ireo daty miavaka.
"ny ampahafolon'ny vokatr'izy ireo"
Ity volana fahatelo amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia amin'ny faran'ny fotoam-pamokarana sy ny fiatomboan'ny main-tany. Izany dia tapakin'ny faran'ny volana May ary tapakin'ny voalohan'ny volana Jiona eo amin'ny tetiandro Tavaratra.
Ity dia volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Ity dia mandritra ny londohan'ny fotoam-pahavaratra, izay tsy maintsy hanalefaka ny tany amin'ny famafazana. Izany dia mandritra ny tapakin'ny faran'ny volana Septambra sy tapakin'ny voalohan'ny volana Octobra amin'ny tetiandro Tavaratra.
Ny lehiben'ny mpisorona dia tsy maintsy hanondro amin'ny atonta lehibe.
"ambany fifehezany"
"ny rehetra"
D.H: "telo taona no mihaotra"
D.H: "araka izay notakiana isan'andro"
1 Taorian'ireo zavatra sy asam-pahatokiana ireo, dia tonga ary niditra tao Joda i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria. Nitoby hanafika ireo tanàna mimanda izy, izay nokasainy ho baboina. 2 Rehefa hitan'i Hezekia fa efa tonga i Sankeriba ary izy nikasa hiady amin'i Jerosalema, 3 dia nifampidinika tamin'ireo mpitariny sy ireo lehilahiny manam-pahefana izy ny hampiatoana ny ranon'ireo loharano izay teo ivelan'ny tanàna; dia nanampy azy hanao izany izy ireo. 4 Olona maro no niangona sy nampiato ireo loharano rehetra sy ny rano mikoriana izay namakivaky ny afovoan'ny tany. Hoy izy ireo hoe: "Nahoana ny mpanjakan'i Asyria no tonga hitady rano be?" 5 Be herim-po i Hezekia ka nanangana ny manda rehetra izay rava. Nanangana ireo tilikambo ho avo kokoa, sy ny manda hafa any ivelany ihany koa izy. Nanamafy ny Milo tao amin'ny tanànan'i Davida ihany koa izy, ary nanamboatra fitaovam-piadiana sy apinga marobe. [1]6 Nametraka mpifehy miaramila teo amin'ny vahoaka izy. Nanangona azy ireo ho eo aminy teo amin'ny tany malalaka teo amin'ny vavahadin'ny tanàna izy ka niteny tamim-pampaherezana tamin'izy ireo. Hoy izy hoe: 7 "Mahereza sy matanjaha. Aza matahotra na kivy nohon'ny mpanjakan'i Asyria sy ireo tafika rehetra miaraka aminy ianareo, fa misy olona momba antsika izay lehibe mihoatra noho ireo izay momba azy. 8 Sandrin'ny nofo fotsiny no momba azy, fa i Yaveh, Andriamanitsika, kosa no momba antsika, mba hanampy antsika, sy hiady ny adintsika." Koa dia nampahery ny tenan'izy ireo tamin'ireo tenin'i Hezekia, mpanjakan'i Joda ireo vahoaka. 9 Taorian'izany, dia naniraka ireo mpanompony ho any Jerosalema i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria (teo anoloan'i Lakisa izy, ary ny tafiny rehetra nomba azy), ho any amin'i Hezekia, mpanjakan'i Joda, sy ny vahoaka rehetra izay tany Jerosalema. Hoy izy hoe: 10 "Izao no lazain'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria: Inona no hianteheranareo mba hiaretana ilay fahirano any Jerosalema? 11 Moa tsy mamitaka anareo ve Hezekia, mba hahatonga anareo ho fatin'ny mosary sy ny hetaheta, rehefa milaza aminareo izy hoe: 'Yaveh Andriamanitsika no hanavotra antsika eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria.'? 12 Moa ve tsy io Hezekia io ihany no nanaisotra ireo fitoerana avony sy ireo alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema hoe: 'Eo amin'ny alitara iray no tsy maintsy hanompoanareo, ary eo amin'izany no tsy maintsy handoranareo ny soronareo'? 13 Fantatrareo ve izay efa nataoko sy ireo razambeko tamin'ireo vondron'olona rehetra avy amin'ireo tany hafa? Moa afaka namonjy ny tanin'izy ireo teo ambany fahefako tamin'ny fomba rehetra ve ireo andriamanitr'ireo vondron'olon'ny tany? 14 Teo amin'ireo andriamanitr'ireo firenena rehetra izay naringan'ny razambeko ireo, moa nisy andriamanitra afaka ny namonjy ny vahoakany hiala teo an-tanako ve? Nahoana ny Andriamanitrareo no tokony hahavonjy anareo eo amin'ny fahefako? 15 Koa aza avela handiso fanantenana sy hitaona anareo amin'ny alalan'izany i Hezekia. Aza mino azy, fa tsy nisy andriamanitry ny firenena na fanjakana afaka namonjy ny olony tsy ho eo an-tanako, na nanaisotra tsy ho eo an-tanan'ireo razambeko. Koa mainka fa ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin'ny tanako?" 16 Mbola niteny ratsy manohitra an'i Yaveh Andriamanitra sy manohitra an'i Hezekia mpanompony aza ireo mpanompon'i Sankeriba. 17 Nanoratra taratasy ihany koa i Sankeriba mba hanesoana an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, ary niteny ratsy taminy. Hoy izy hoe: "Tahaka ireo andriamanitr'ireny firenen'ny tany ireny izay tsy nahavonjy ny olon'izy ireo teo an-tanako, ny Andriamanitr'i Hezekia ihany koa dia tsy hahavonjy ny olony hiala tsy ho eo an-tanako." 18 Niantso mafy ny vahoakan'i Jerosalema izay tao amin'ny rindrina tamin'ny fitenin'ny jiosy izy ireo, hampitahorana sy hampihorohoroana azy ireo, mba hahafahan'izy ireo mambabo ilay tanàna. 19 Niresaka momban'ilay Andriamanitr'i Jerosalema tahaka ny firesahan'izy ireo momba ireo andriamanitry ny olon'ny tany hafa firenena, izay asa-tanan'ny olona fotsiny ihany, izy ireo. 20 Hezekia, mpanjaka, sy Isaia, mpaminany, dia nivavaka noho izany zavatra izany ka niantso mafy tany an-danitra izy. 21 Naniraka anjely i Yaveh, mba hamono ireo lehilahy mpiady, ireo mpifehy, ary ireo manam-pahefan'ny mpanjaka tao an-toby. Ka dia niverina tamin-kenatra tany an-taniny i Sankeriba. Rehefa nankany amin'ny tranon'ny andriamaniny izy, dia novonoin'ny sasany tamin'ireo zanany tamin'ny sabatra tany izy. 22 Tahaka izany no nanavotan'i Yaveh an'i Hezekia sy ireo mponin'i Jerosalema tamin'ny tanan'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ary tamin'ny tanan'ireo hafa rehetra, ka nanome azy ireo fiadanana tamin'ny fomba rehetra. [2]23 Maro ny nitondra fanatitra ho an'i Yaveh tany Jerosalema, sy fanomezana sarobidy ho an'i Hezekia mpanjakan'i Joda, mba hahatonga azy hisandratra teo imason'ireo firenena rehetra nanomboka tamin'izany fotoana izany. 24 Ary tamin'izany fotoana izany Hezekia dia narary efa ho faty. Nivavaka tamin'i Yaveh izy, izay niteny taminy ary nanome famantarana azy fa ho sitrana izy. 25 Nefa Hezekia tsy mba namaly an'i Yaveh tamin'izay soa nomena azy, fa niavonavona ny fony. Ka dia tonga taminy, sy tamin'i Joda mbamin'i Jerosalema ny fahatezerana. 26 Na izany aza, dia nanetry tena tamin'ny avonavom-pony ihany Hezekia, izy sy ireo mponin'i Jerosalema, ka tsy tonga tamin'izy ireo ny hatezeran'i Yaveh nandritry ny andron'i Hezekia. 27 Nanana harena marobe sy voninahitra tokoa i Hezekia. Nanao efi-trano fitehirizana ho an'ny volafotsy, volamena, vato sarobidy, sy ho an'ireo hanitra, ary koa ho an'ireo apinga sy ireo zava-manan-danja samy hafa karazana izy. 28 Nanana trano fitehirizam-bokatra ho an'ny vary, divay vaovao, diloilo, ary trano fihinanam-bilona ho an'ireo biby fiompy karazany rehetra ihany koa izy. Nanana ondry aman'osy tao am-balany ihany koa izy. 29 Fanampin'izany, nanao tanàna ho azy ihany koa izy ary nanana ondry aman'osy sy omby marobe, fa Andrimanitra nanome azy harena be indrindra. [3]30 Io Hezekia io ihany no nanampina ny loharano avy any ambony tany Gihona, sy nampikoriana izany ho any amin'ny ilany andrefan'ny tanànan'i Davida. Nahomby tamin'ireo tetikasany rehetra i Hezekia. 31 Na izany aza, ny amin'ny zavatra mahakasika ireo masoivohon'ireo andriandahin'i Babylona, izay nirahana hankany aminy mba hametra-panontaniana momba ireo izay nahafantatra, ny momban'ilay famantarana mahagaga izay efa natao teo amin'ny tany, dia nandao azy ho irery Andriamanitra, mba hitsapàna azy, ary hahafantarana izay rehetra tao am-pony. 32 Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Hezekia, ao anatin'izany ireo asa tsy fivadiam-panekeny, indro efa voasoratra ao amin'ny Fahitan'Isaia Mpaminany Zanaka Lahin'i Amosa ireo, sy ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy Israely. 33 Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Hezekia, ka nalevin'izy ireo tany amin'ny havoana misy ireo fasan'ny taranak'i Davida izy. Nanome voninahitra azy tamin'ny fahafatesany ny Joda rehetra sy ny mponin'i Jerosalema. Ary Manase zanany lahy no tonga mpanjaka nandimby azy.
Efa vita tamin'i Hezekia ireo asa ireo.
Nakaton'izy ireo ireo loharano izay ivelan'ny tanàna araka izay nataon'ny olona hampidirana rano.
Tsy tokony ho avy sy hitady rano be ireo mpanjaka. Ireo mpandika teny mety te hilaza "ny mpanjakan'i Asyria" saingy afaka lazain'izy ireo hoe "ireo mpanjakan'i Asyria", satria tsy misy famakian-teny anohanana ny teny hoe "mpanjaka."
D.H: "Nankahery ny tenany sy ireo olona i Hezekia mba hanangana"
Ity dia isan'ny manda izay natolotra tamin-kery.
D.H: "fa momba antsika ny Adnriamanitsika ary manan-kery noho izy ireo"
D.H: "herin'olona"
Ity dia tanàna iray any Joda.
D.H: "tsy mahay miaritra ilay fahirano any Jerosalema ianareo."
D.H: "Mamitaka anareo i Hezekia ... rehefa milaza aminareo izy hoe: 'Yaveh ... i Asyria."'
D.H: "Ity dia mitovy amin'ny Hezekia nanaisotra"
"tena fantratrareo tsara ... ireo tany!"
"ireo andriamanitrin'ny vondron'olon'ny tany dia ... fahefana!"
"Tsy misy andriamnitra eo amin'ireo andriamanitra ... izay ... tanana!"
Tsy misy antony tokony afahan'ny... fahefako!"
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy ny hamafin'ny hatezerana. D.H: "mampihorohoro tanteraka azy ireo."
D.H: "Noheson'izy ireo ny Andriamanitr'i Jerosalema tahaka ny naneson'izy ireo ireo andriamnitrin'ny olon-kafan'ny tany"
D.H: "niangavy tamin'Andriamanitra"
niatrika -D.H: "fahamenarana" na "fahafaham-baraka"
D.H: "ny tempolin'ny andriamaniny"
Eto "fiadanana" dia midika "filamaninana." D.H: "nanome filaminana azy ireo mbamin'ireo mpiray tanàna rehetra"
D.H: "mba hafantaran'ny vondron'olona rehetra manodidina"
D.H: "lasa nirehareha izy"
Toerana iray fitahirizana ireo biby madinika.
Ireo boky ireo dia tsy misy intsony.
1 Roa ambin'ny folo taona i Manase raha nanomboka nanjaka; nanjaka nandritry ny dimy amby dimam-polo taona tany Jerosalema izy. 2 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka ireo zavatra maharikorikon'ireo firenena izay efa nasoron'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely. 3 Fa nanangana indray ireo fitoerana avo izay noravan'i Hezekia rainy, ary nanangana ireo alitara ho an'ireo Bala izy, nanao ireo baon'Aseraha izy, ary niankohoka teo amin'ireo kintan'ny lanitra ary nanompo azy ireo. 4 Nanorina alitara fanompoan-tsampy tao an-tranon'i Yaveh i Manase, na dia nandidy aza Yaveh hoe: "Any Jerosalema no itoeran'ny anarako mandrakizay." 5 Nanamboatra alitara ho an'ireo kintan'ny lanitra rehetra teo amin'ny kianja roan'ny tranon'i Yaveh izy. 6 Nodorany tao an-dohasahan'i Ben-hinoma ireo zanany lahy. Nanao fanandroana sy sikidy izy; namaky fahitana izy; ary nandeha tany amin'ireo izay miresaka amin'ny maty sy ireo miresaka amin'ireo fanahy. Nanao zava-dratsy maro teo imason'i Yaveh izy ary niantsy ny fahatezeran'Andriamanitra. 7 Ny sary sokitr'i Aseraha izay namboariny, napetrany tao an-tranon'Andriamanitra izany. ny momban'io trano io no noresahan'Andriamanitra tamin'i Davida sy Solomona zanany lahy; izao no nolazainy: "Eto amin'ity trano ity sy any Jerosalema, izay efa nofidiko tamin'ny fokon'Israely rehetra, no hametrahako ny anarako mandrakizay. 8 Tsy hafindrako amin'ny tany izay notendreko ho an'ny razamben'izy ireo intsony ny vahoakan'Israely, raha toa ka mitandrina izay rehetra nandidiko azy ireo, manaraka ny lalàna, fitsipika, ary ireo didy izay nomeko azy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo." 9 Notarihan'i Manase hanao ratsy mihoatra lavitra noho ireo firenena izay efa naringan'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely i Joda sy ny mponina tao Jerosalem. 10 Niresaka tamin'i Manase sy tamin'ny olony i Yaveh, fa tsy niraharaha izy ireo. 11 Koa nentin'i Yaveh teo aminy ireo mpifehy ny tafiky ny mpanjakan'i Asyria, izay naka an'i Manase tamin'ny rojo vy, namatotra azy tamin'ny rojo vy ary namoaka azy ho any Babylona 12 Raha tao anatin'ny fahoriana i Manase, dia nitalaho tamin'i Yaveh, Andriamaniny, ary nanetry fatratra ny tenany teo anatrehan'ny Andriamanitr'ireo razambeny. 13 Nivavaka taminy izy; ary Andriamanitra no nitalahoany, ka ren'Andriamanitra ny fitalahoany ary nentiny niverina ho any Jerosalema, tany amin'ny fanjakany izy. Ary dia fantatr'i Manase fa Yaveh no Andriamanitra. 14 Taorian'izany, Manase dia nanamboatra manda ivelany teo amin'ny tanàn'i Davida, teo amin'ny ilany andrefan'i Gihona, tany an-dohasaha, teo amin'ny fidirana amin'ny Vavahadin-kazandrano. Nanodidina ny havoan'i Ofela izy ary nanangana ny manda ho tena avo. Nametraka mpifehy mahery fo teo amin'ny tanàna mimanda rehetran'i Joda izy. 15 Nesoriny tsy ho ao an-tranon'i Yaveh ireo andriamanin-kafa, ny sampy, ary ireo alitara rehetra izay namboariny teny an-tendrombohitry ny tranon'i Yaveh sy tany Jerosalema, ary nariany tany ivelan'ny tanàna izany. 16 Naoriny indray ny alitaran'i Yaveh ary nanolotra sorona ho fanati-pihombonana sy fanati-pisaorana teo izy; nandidy an'i Joda hanompo an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely izy. 17 Na izany aza, ny vahoaka dia mbola nanao sorona teo amin'ireo fitoerana avo ihany, nefa ho an'i Yaveh irery, izay Andriamanitr'izy ireo. 18 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Manase, ny vavaka nataony tamin'Andriamaniny, sy ny tenin'ireo mpahita izay niteny taminy tamin'ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, indro, voasoratra ao amin'ny asan'ireo mpanjakan'Israely izany. 19 Ao anatin'izany ny tantaran'ny vavaka nataony, sy ny fihetseham-pon'Andriamanitra tamin'izany. Ao ihany koa ny fahotany sy ireo fahadisoany rehetra, ary ireo toerana izay nananganany ireo fitoerana avo sy nametrahany ireo baon'Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra, talohan'ny nanetreny ny tenany— voasoratra ao amin'ny Tantaran'ireo Mpahita izany. [1]20 Ary nodimandry tany amin'ireo razambeny i Manase, ka nalevin'izy ireo tao an-tranony. Amona, zanany lahy, no tonga mpanjaka nandimby azy. 21 Roa amby roapolo taona i Amona raha nanomboka nanjaka; nanjaka nandritry ny roa taona tany Jerosalema izy. 22 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka izay efa nataon'i Manase, rainy. Nanao sorona ho an'ireo sarin-javatra voasokitra rehetra izay efa nataon'i Manase rainy i Amona, ary nanompo ireo izy. 23 Tsy nanetry tena teo anatrehan'i Yaveh izy, tahaka izay efa nataon'i Manase rainy. Fa kosa, ity Amona ity ihany dia nanao fahadisoana betsaka kokoa. 24 Nanao tetika hanohitra azy ireo mpanompony ary namono azy tao an-tranony ihany. 25 Fa ny mponin'ny tany namono ireo rehetra izay nitetika hanohitra an'i Amona Mpanjaka, ary nataon'izy ireo ho mpanjaka nandimby azy i Josia, zanany lahy.
D.H: "raha ny hevitr'i Yaveh"
D.H: "toy ireo vondron'olon-kafa izay nampandresen'i Yaveh tamin'ireo vahoakan'Israely."
D.H: "hataoko ho fatatrin'ny olona ny anarako"
Ity dia maneho ny fampiharana ilay fandorona ireo zaza mbola velona ho sorona amin'ny fanom-poan-tsampy.
Toerana iray akaikin'ny Jerosalema fantatra ihany koa hoe Gehena.
D.H: "Ny vahoakan'ny Joda sy Jerosalema"
D.H: "nitondra fanafihana teo amin'izy ireo"
D.H: "nampitoetra an'i Manase ary naka azy ho gadra tany Babilona."
Ny andian-teny faharoa dia manamafy ny andian-teny voalohany ary manasongadina ny fahazotoan'i Manase mivavaka. D.H: "Nivavaka tamin'Andriamanitra izy ary nangataka tamin'Andriamananitra."
Ity dia midika hoe "hitondra eo amin'ny firenena indray."
D.H: "ireo andriamanitra tsy izy avy amin'ireo firenena."
D.H: "nibaiko ny vahoakan'ny Joda izy."
Ity dia isan'ny tantaran'Israely izay tsy misy intsony.
Ity dia boky tsy misy intsony.
D.H: "Ka maty i Manase, ary nandevina azy ireo fianakaviany"
D.H: "Nanota be i Amona"
D.H: "nanoma antsokosoko"
1 Valo taona i Josia no nanomboka nanjaka; nanjaka nandritry ny iraika amby telopolo taona tao Jerosalema izy. 2 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh, sy nandeha tamin'ny lalan'i Davida razambeny, ary tsy mba nivily niankavanana na niankavia izy. 3 Ary tamin'ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola tanora izy, dia nanomboka nitady an'ilay Andriamanitr'i Davida, razambeny. Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo, dia nanomboka nanadio an'i Joda sy Jerosalema avy teo amin'ny fitoerana avo izy, ny baon'Aseraha, sy ny sarin-javatra voasokitra ary ny sarin-javatra vita tamin'ny vy. 4 Noravan'ny vahoaka teo anatrehany ireo alitaran'i Bala; nokapainy ny alitaran'ny ditin-kazo manitra izay teo ambonin'ireo. Notorotoroiny ireo baon'Aseraha sy ireo sarin-javatra voasikotra, ary ireo sarin-javatra vita tamin'ny vy ambara-pahatonga ireny ho vovoka. Naparitany teo amin'ny fasan'ireo izay nanao sorona ho an'izany ny vovoka. 5 Nodorany teo amin'ny alitarany ny taolan'ireo mpisorony. Tahaka izany ny fomba, nanadiovany an'i Joda sy Jerosalema. 6 Nataony tahaka izany koa ireo tanànan'i Manase, Efraima, ary Simeona, ny lalana rehetra nankany Naftaly, sy teo amin'ireo faharavana izay nanodidina izany. 7 Noravàny ireo alitara, nopotehiny ho tonga vovoka ireo baon'Aseraha sy ireo sarin-javatra voasokitra, ary nokapainy ny alitaran'ny ditin-kazo manitra nanerana ny tanin'Israely rehetra; niverina tany Jerosalema izy avy eo. 8 Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakany, rehefa voadion'i Josia ny tany sy ny tempoly, dia naniraka an'i Safana zanaka lahin'i Azalia, Maseia, governoran'ny tanàna, ary i Joa zanaka lahin'i Joahaza mpitantsoratra izy, mba hanamboatra indray ny tranon'i Yaveh Andriamaniny. 9 Nankany amin'i Hilkia, mpisoronabe izy ireo, ary nanankina taminy ny vola izay nentina tao amin'ny tranon'Andriamanitra, izay efa nangonin'ireo Levita, sy ireo mpiandry varavarana avy tamin'i Manase sy Efraima, avy tamin'ireo sisa tamin'Israely rehetra, avy tamin'i Joda sy Benjamina rehetra, ary avy tamin'ireo mponin'i Jerosalema. 10 Nankinin'izy ireo tamin'ireo lehilahy izay nanara-maso ny asa teo amin'ny tempolin'i Yaveh ny vola. Ireo lehilahy ireo no nanakarama ny mpiasa izay nanamboatra sy namerina ny tempoly tamin'ny laoniny. 11 Naloan'izy ireo tamin'ireo mpandrafitra sy ireo mpanangana izany mba hividianana vato voapaika sy hazo ho fandrefesana, ary hanamboarana andry ho an'ireo rafitra izay noravan'ireo mpanjakan'i Joda sasany. 12 Nanao ny asa tamim-pahatokiana ireo lehilahy. Ireo mpanara-masony dia Jahata sy Obadia, ireo Levita, avy amin'ny zanaka lahin'i Merary; ary Zakaria sy Mesolama, avy amin'ireo zanaka lahin'ireo Kehatita. Ireo levita hafa, izay mpitendry zava-maneno tena mahay rehetra, mpanoro akaiky ireo mpiasa. 13 Ireo levita ireo dia nisahana ireo izay nitondra ny fitaovan'ny trano lehibe sy ireo lehilahy rehetra izay nanao ny asa samy hafa. Nisy ihany koa ireo Levita izay mpitan-tsoratra, mpandrindra, ary mpiandry vavahady. 14 Rehefa navoakan'izy ireo ny vola izay nentina tao an-tranon'i Yaveh, dia hitan'i Hilkia mpisorona ny bokin'ny lalàn'i Yaveh izay nomena tamin'ny alalan'i Mosesy. 15 Hoy Hilkia tamin'i Safana mpanora-dalàna hoe: "Hitako tao an-tranon'i Yaveh ny bokin'ny lalàna." Nentin'i Hilkia tany amin'i Safana ilay boky. 16 Nentin'i Safana tany amin'ny mpanjaka ilay boky, sady nitatitra taminy ihany koa, nanao hoe: "Ireo mpanomponao dia manao ny zavatra rehetra izay nankinina tamin'izy ireo. 17 Efa noraofin'izy ireo ny vola izay hita tao an-tranon'i Yaveh, ary nomeny teo an-tanan'ireo mpanara-maso sy ireo mpiasa izany." 18 Nilaza tamin'ny mpanjaka i Safana mpanora-dalàna hoe: "Nomen'i Hilkia mpisorona boky aho." Ary novakian'i Safana tamin'ny mpanjaka izany. 19 Ary rehefa ren'ny mpanjaka ireo tenin'ny lalàna, dia nandrotika ny akanjony izy. 20 Ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia, Ahikama zanaka lahin'i Safana, Abdona zanaka lahin'i Mika, Safana mpanora-dalàna, ary Asaia, mpanompony manokana, nanao hoe: 21 "Mandehana ary anontanio ho ahy ny sitrapon'i Yaveh, ary koa ho an'ireo izay tavela any Israely sy any Joda, nohon'ny tenin'ilay boky izay efa hita. Fa lehibe izany, dia ny fahatezeran'i Yaveh izay efa nilatsaka tamintsika. Lehibe izany, noho ireo razambentsika tsy nihaino ny voalazan'ny boky ny mba hankatoavana izay voasoratra rehetra tao amin'izany." [1]22 Ary Hilkia, sy ireo izay nodidian'ny mpanjaka, dia nankany amin'i Holda mpaminany vavy, vadin'i Saloma zanaka lahin'i Tokehata zanaka lahin'i Hasra, mpitahiry akanjon'ny fisoronana (Nonina tao Jerosalema tao amin'ny tanàna ambany izy), ary tamin'izany fomba izany no niresahan'izy ireo taminy. 23 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely: Lazao ilay lehilahy izay naniraka anareo taty amiko hoe: 24 'Izao no lazain'i Yaveh: Indro, eo am-pitondrana loza eto amin'ity toerana ity sy ireo mponiny Aho, ireo ozona rehetra izay efa voasoratra tao amin'ilay boky izay efa voavakin'izy ireo teo anatrehan'ny mpanjakan'i Joda. 25 Satria efa nahafoy Ahy ary efa nandoro ny ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamani-kafa izy ireo, mba hiantsiana Ahy amin'ny fahatezerana tamin'ireo zavatra rehetra nataon'izy ireo—noho izany dia hiraraka amin'ity toerana ity ny fahatezerako, ary tsy ho faty izany.' [2]26 Fa ho an'ny mpanjakan'i Joda, izay naniraka anareo mba hanontany an'i Yaveh izay tokony hataony, dia izao no ho lazainareo aminy: 'Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely milaza izao: Ny amin'ny teny izay renao, 27 satria ianao dia tso-po, sy nanetry tena teo anatrehan'Andriamanitra rehefa renao ny teniny hamely ity toerana ity sy ireo mponiny, ary satria ianao nanetry tena teo anatrehako ary nandrotika ny akanjonao sy nitomany teo anatrehako, dia efa nihaino anao ihany koa Aho—izany no fanambaran'i Yaveh— 28 indro, hangoniko ho eo amin'ireo razambenao ianao. Ho voaangona ao amin'ny fasanao am-piadanana ianao, ary ny masonao dia tsy hahita ny loza izay ho entiko eto amin'ity toerana ity sy ireo mponiny.'" Nentin'ireo lehilahy tany amin'ny mpanjaka izany hafatra izany. 29 Avy eo ny mpanjaka naniraka mpitondra hafatra ka namory ny loholon'i Joda sy Jerosalema rehetra. 30 Ary niakatra tao an-tranon'i Yaveh ny mpanjaka, sy ireo lehilahin'i Joda rehetra ary ireo mponin'i Jerosalema, sy ireo mpisorona, ireo Levita, ary ny vahoaka rehetra, hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely. Ary novakiany tamin'izy ireo ny teny rehetran'ny bokin'ny Fanekena izay hita tao an-tranon'i Yaveh. 31 Nitsangana teo amin'ny fitoerany ny mpanjaka ary nanao fanekena teo anatrehan'i Yaveh, fa hanaraka an'i Yaveh, sy hitandrina ireo didiny, ireo fitsipiny, ary ireo lalàny, amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ireo tenin'ny fanekena izay voasoratra ao amin'izany boky izany. 32 Niteny tamin'ny olona rehetra izay hita tao Jerosalema sy Benjamina izy mba hanaiky ilay fanekena. Tamin'ny fankatoavana no nanaovan'ny mponin'i Jerosalema ny faneken'Andriamanitra, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo. 33 Nesorin'i Josia teo amin'ny tany ireo zavatra fahvetavetana rehetra izay an'ny vahoakan'Israely. Nampanompoany an'i Yaveh, Andriamanitr'izy ireo ny olona rehetra tany Israely. Fa tamin'ny androny rehetra, dia tsy nivily tamin'ny fanarahana an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razambeny izy ireo.
D.H: "raha ny amin'i Yaveh"
D.H: "tsy nisalasala ny hankatoa an'Andriamanitra na inona na inona," na "nankatò ny didin'Andriamanitra rehetra izy"
D.H: "mandrapahatonga azy ireo ho singa btika kely ka met ho zakan'ny rivotra "
D.H: "potipotika tanteraka"
"natolotra taminy ny fisahanana ny fampiasaina ny vola"
D.H: "avela ho lo"
D.H: "Ireo Levita ireo dia nisahana ireo lehilahy rehetra izay nanao ny karazana asa fananganana."
D.H: "Rehefa nandray ny vola tao amin'ny tempoly ireo mpanara-maso"
D.H: "zavatra rehetra izay natolotrao azy ireo ho fisahanana ny asa hatao."
D.H: "efa nangonin'izy ireo"
Ity andian-teny ity dia fanamarihana iray; izany dia mitaky fa ny fanarahana dia hetsika manan-danja manokana ao amin'ny tantara. D.H: "Ary, lazao izay hitranga manaraka."
D.H: "antanio an'i Yaveh izay iriany amiko ho atao."
D.H: "mifanaraka amin'izay voasoratra ao amin'ny boky"
Fihetseham-po miaro hatezerana dia volaza matetika ao amin'ny soratra masina toy ny hoe rano izy ireo. D.H: "Fa ny hatezeran'i Yaveh eto amintsika dia lehibe, tahaka ny rano izay afaka manadio tanteraka antsika."
D.H: "izay mikarakara ny akanjom-pisoronana"
D.H: "nanana ny resaka manaraka taminy izy ireo"
"ny vokany dia nanao izay nampahatezitra mafy Ahy izy ireo noho ireo zavatra efa nataon'izy ireo'
"manao izay mahatezitra ahy"
Ny fihetseham-po miaro hatezerana dia voalaza matetika ao amin'ny soratra masina toy ny hoe rano izy ireo. D.H: "noho izany dia ho toy ny afo izay miraraka eo amin'izy ireo izany, ary tsy hisy hasakana izany afo izany."
D.H: "Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely milaza izao mahakasika ireo teny izay efa renao, satria malefaka ny fonao - manam-piniavana hiova"
Ity dia mariky ny alahelo sy ny fibebahana.
D.H: "ho faty ianao"
D.H: "tsy hanan-traikefa ianao"
D.H: "ny olona rehetra"
D.H: "novakiana tamin'izy ireo"
D.H: "nijoro teo amin'izay niheritreretany hijoroany teo amin'ny varavaran'ny tempoly izy"
Ireo andian-teny roa miaraka ireo dia fomba fiteny izay maneho ny maha olona rehetra. D.H: "ny aminy rehetra" na "ny fony manontolo"
D.H: "ny olona rehetra izay nitoetra tao Jerosalema sy Benjamina"
D.H: "mba hankatò ny fanekena"
Ireo dia sampy marikoriko tamin'Andriamanitra.
1 Nitandrina ny Paska ho an'i Yaveh tao Jerosalema i Josia, ary novonoin'izy ireo tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana voalohany ireo ondrin'ny Paska. 2 Napetrany teny amin'ny fitoerany ireo mpisorona ka nampahereziny tamin'ny asa fanompoana ny tranon'i Yaveh izy ireo. 3 Hoy izy tamin'ireo Levita izay nampianatra ny Israely rehetra sy izay voatokana ho an'i Yaveh hoe: "Apetraho ao amin'ny trano izay namboarin'i Solomona zanak'i Davida, mpanjakan'Israely ilay fiara masina. Aza lanjaina eny amin'ny sorokareo intsony izany. Ary derao Yaveh Andriamanitrareo, ary tompoy Israely vahoakany. 4 Mifandamìna ianareo araka ny anaran'ny firazananareo sy ny fizaranareo, araka ireo toromarika nosoratan'i Davida, mpanjakan'Israely, sy ireo an'i Solomona, zanany lahy. 5 Mijoroa eny amin'ny fitoerana masina, raiso ny toeranareo sy ny fizaranareo ao amin'ny taranak'ireo rahalahinareo, ireo taranaky ny vahoaka, ary alaivo ny toeranareo sy ny fizaranareo ao amin'ny taranakin'ny razamben'ireo Levita. 6 Vonoy ny ondrin'ny Paska, hamasino ny tenanareo, omano ho an'ireo rahalahinareo ny ondry, mba hatao araky ny tenin'i Yaveh izay nomena tamin'ny alalan'ny tanan'i Mosesy." 7 Nanome ondry telo alina ho an'ny vahoaka rehetra Josia ary zanak'osy tamin'ireo ondry aman'osy ho amin'ny fanatitry ny Paska ho an'ireo rehetra izay nanatrika. Nanome omby telo arivo ihany koa izy; ireo dia avy tamin'ny fananan'ny mpanjaka. 8 Ireo mpitariny dia nanome fanati-tsitrapo ho an'ny vahoaka, ireo mpisorona, ary ireo Levita. Hilkia, Zakaria, ary Jehiela, manam-boninahitra niandraikitra ny tranon'Andriamanitra, dia nanome zanaka biby fiompy 2. 600 sy omby telonjato ho fanatitry ny Paska ho an'ireo mpisorona. 9 Konania, sy Semahia ary Natanaela, rahalahiny, sy Hasabia, Jehiela, ary Jozabada, ireo lehiben'ireo Levita ihany koa, dia nanome biby fiompy kely dimy arivo sy omby diman-jato ho fanatitry ny Paska ho an'ireo Levita. 10 Koa dia vonona ny fanompoana, ary nipetraka teny amin'ny fitoerany ireo mpisorona, niaraka tamin'ireo Levita araka ny fizaran'izy ireo, ho valin'ny didin'ny mpanjaka. 11 Novonoin'izy ireo ny ondrin'ny Paska, ary nafafin'ireo mpisorona ny rà izay noraisin'izy ireo avy tamin'ny tanan'ireo Levita, ary ireo Levita nanala ny hoditr'ireo zanak'ondry. 12 Nesorin'izy ireo ny fanatitra dorana, mba hizaràna ireo ho an'ireo fizaran'ny taranaky vahoaka, mba hanolorana ireo ho an'i Yaveh, araka ny voasoratra tao amin'ny Bokin'i Mosesy. Nataon'izy ireo toy izany koa ireo omby. 13 Natonon'izy ireo tamin'ny afo araka ny toromarika ireo zanak'ondrin'ny Paska. Raha ny amin'ireo fanatitra nohamasinina, dia nampangotrahan'izy ireo tao anaty vilany, vilanibe, sy fanendasana ireo, ary nolanjain'izy ireo faingana tany amin'ny vahoaka rehetra izany. 14 Taorian'izany dia nanomana fanatitra ho an'ny tenan'izy ireo sy ho an'ireo mpisorona izy ireo, satria ireo mpisorona, taranak'i Arona, dia sahirana tamin'ny fanolorana ny fanatitra dorana sy ny sabora mandra-paha alin'ny andro, koa dia nanomana ireo fanatitra ho azy ireo sy ny mpisorona, taranak'i Arona, ireo Levita. 15 Ireo mpihira, taranak'i Asafa, dia tao amin'ny toeran'izy ireo, araka ny torolalan'i Davida, Asafa, Hemana, ary Jedotona mpaminanin'ny mpanjaka, ary ireo mpiambina dia teny amin'ny vavahady rehetra. Tsy nahazo nandao ny toerany izy ireo, satria ireo Levita rahalahin'izy ireo dia nanao fanomanana ho azy ireo. 16 Noho izany, tamin'izany fotoana izany ny asa fanompoana an'i Yaveh rehetra dia notanterahina ho amin'ny fankalazana ny Paska sy hanolorana fanatitra dorana eo amin'ny alitaran'i Yaveh, araka ny nandidian'i Josia mpanjaka. 17 Ny vahoakan'Israely izay nanatrika dia nitandrina ny Paska tamin'izany fotoana izany, ary avy eo ny Firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Masirasira nandritry ny fito andro. 18 Tsy mbola nisy fankalazana ny Paska toy izany tao Israely nanomboka tamin'ny andron'i Samoela mpaminany, ary tsy nisy mihitsy tamin'ireo mpanjakan'Israely hafa nankalaza ny Paska toy ny nataon'i Josia, niaraka tamin'ireo mpisorona, Levita, sy ny vahoakan'i Joda sy Israely rehetra izay nanatrika, ary ireo mponina tao Jerosalema. 19 Notandrovana izany Paska izany tamin'ny fahavalo ambin'ny folo taona nanjakan'i Josia. 20 Taorian'izany rehetra izany, taorian'ny nametrahan'i Josia ny tempoly tamin'ny laoniny, dia niakatra mba hiady amin'ireo Karkemisy tao amin'ny ony Eofrata i Neko, mpanjakan'i Egypta, ary Josia nandeha niady taminy. 21 Saingy nandefa masoivoho tany aminy i Neko, nilaza hoe: "Inona no tokony hataoko anao, ry mpanjakan'i Joda? Tsy tonga hanohitra anao aho anio, fa hanohitra ny trano izay hiadiako. Nasain'Andriamanitra nandeha faingana aho, koa manindria fo amin'ny fanoherana an'Andriamanitra, izay momba ahy, raha tsy izany handringana anao Izy." 22 Na izany aza, dia nandà ny handao azy Josia. Nody nanova tava izy mba hahafahany miady aminy. Tsy nihaino ireo tenin'i Neko izay avy amin'ny vavan'Andriamanitra izy; ka dia nandeha niady tany amin'ny Lohasahan'i Megido izy. 23 Notifirin'ny mpandefa zana-tsipìka i Josia mpanjaka, ary hoy ny mpanjaka tamin'ireo mpanompony hoe: "Ento aho, fa tena maratra mafy." 24 Ka dia navoakan'ireo mpanompony avy tao amin'ny kalesy izy, ary napetrany tao amin'ny fanampi-kalesiny. Nentin'izy ireo tany Jerosalema, izay nahafatesany izy. Nalevina tao amin'ny fasan'ireo razambeny izy. Nisaona an'i Josia ny Joda sy Jerosalema rehetra. 25 Nanao hira fisaonana ho an'i Josia i Jeremia; ny mpihira lahy sy vavy rehetra dia misaona an'i Josia mandrak'ankehitriny. Ireo hira ireo dia tonga fomba tao Israely; indro, voasoratra ao amin'ny hira fisaonana ireo. 26 Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Josia, sy ireo asa tsara nataony tamin'ny fankatoavana izay voasoratra tao amin'ny lalàn'i Yaveh— 27 ary ireo asany, nanomboka tany am-piandohana hatramin'ny fiafarana, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy Israely.
Ity dia volana voalohan'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahefatra ambin'ny folo dia manakaiky ny fiatombohan'ny volana Aprily eo amin'ny tetiandro Tavaratra.
D.H: "Niresaka tamin'ireo mpisorona izay asa hatao Izy."
D.H: "ny olona izay nanangana teo ambany fitarihan'i Solomana mpanjaka."
D.H: "ireo foko sy fianakavianao"
Eto ny "toerana masina" dia mitovy amin'ny fanehoana ny faritrin'ny tempoly amin'ny ankapobeny. D.H: "alaivo ny faritrareo ao amonin'ny tempoly."
Ity dia maneho ireo vondron'asa voatendry isakin'ny Levita.
Ity dia maneho ireo karazam-poko eo amin'ireo Levita. Izany dia mitovy amin'ireo Levita izay nanendry vondron'asa samihafa eo amin'ny fototr'asan'ny mpanjaka notendrena isam-poko na isan-taranakin'ny razambe.
Ity dia osy kely.
"nanomana zavatra atao amin'ny Paska izy ireo."
"ny rà izay nomen'ireo Levita azy ireo."
D.H: "nandrahoan'izy ireo"
D.H: "nandrahoin'izy ireo tamin'ny rano tamin'ny vilany samihafa ireo."
D.H: "dia nijoro teo amin'ny toerana naha voatondro azy izy ireo"
Ny zavatra rehetra nifandray tamin'ny fanomanana, sorona sy fanompoana an'i Yaveh mandritry ny Paska dia azo anehoana ho "fanompoana"
Ny fampiasana voalohan'ny Israely maneho ny firenen'Israely manontolo, fa ny fampiasana faharoan'ny Israley dia maneho ny fokon'ny fanjakan'Israely tavarata manokana.
D.H: "naverina amin'ny laoniny ny fanompoana iombonana amin'ny tempoly."
D.H: "Tsy misy antoky tokony hanafiahanao ahy, ry mpanjakan'ny Joda."
D.H: "tsy hiady ny fanjakanao aho."
D.H: "hanohitra an'ny Babilona, hanohitra izay niatsiako ady.''
"miady amin'ny tafik'i Babilona"
"avy amin'Andriamanitra" na "izay efa nolazain'i Yaveh taminy"
Ity dia maneho ilay fotoana nahavoasoratra ny tantara 2.
1 Avy eo ny olona tao amin'ilay tany naka an'i Joahaza zanaka lahin'i Josia, ka nanao azy mpanjaka teo amin'ny toeran'ny rainy tao Jerosalema. 2 Telo amby roa-polo taona Joahaza raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka telo volana tao Jerosalema izy. 3 Nesorin'ny mpanjakan'i Egypta tao Jerosalema izy, ary ny tany nampadoaviny talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray. 4 Nataon'ny mpanjakan'i Egypta ho mpanjaka nanerana ny Joda i Eliakima rahalahiny, ary nanova ny anarany ho Joiakima. Avy eo nalainy i Joahaza rahalahin'i Eliakima ary nentiny tany Egypta. 5 Dimy amby roa-polo taona i Joiakima tamin'izy nanomboka nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh Andriamaniny izy. 6 Avy eo Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanafika azy sy namatotra azy tamin'ny rojo mba hitarihana azy ho any Babylona. 7 Nitondra ny sasany tamin'ireo zavatra tao an-tranon'i Yaveh ihany koa Nebokadnezara, ary nametraka ireo tany amin'ny lapany tany Babylona. 8 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Joiakima, ireo zavatra mahatsiravina izay nataony, sy izay hita nanohitra azy, dia indro, voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda sy Israely ireny. Ary Joiakina, zanany lahy, no tonga mpanjaka teo amin'ny toerany. 9 Valo taona Joiakima tamin'izy nanomboka nanjaka; nanjaka telo volana sy folo andro tao Jerosalema izy. Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. 10 Tamin'ny lohataona, dia naniraka lehilahy i Nebokadnezara ary nitondra azy tany Babylona, niaraka tamin'ireo zavatra sarobidy avy tao an-tranon'i Yaveh, ary nanao an'i Zedekia, havany, ho mpanjaka nanerana an'i Joda sy Jerosalema. 11 Iraika amby roa-polo taona Zedekia tamin'izy nanomboka nanjaka; nanjaka iraika ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. 12 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh Andriamaniny izy. Ary tsy nanetry tena nanoloana an'i Jeremia mpaminany, izay niteny tamin'ny vavan'i Yaveh izy. 13 Zedekia ihany koa dia nikomy tamin'i Nebokadnezara, izay nampianiana azy tsy fivadihana taminy tamin'ny alalan'Andriamanitra. Kanefa zedekia nanenjana ny hatony ary nanamafy ny fony mba tsy hitodika amin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. 14 Fanampin'izany, ireo mpitariky ny mpisorona sy ny vahoaka dia tsy nahatoky tanteraka, ary nanaraka ny fomba mahatsiravin'ireo firenena izy ireo. Nolotoin'izy ireo ny tranon'i Yaveh izay nohamasininy tany Jerosalema. 15 Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo, dia nandefa teny foana foana tamin'izy ireo tamin'ny alalan'ireo mpitondra hafany, satria nanana fangoraham-po tamin'ny vahoakany sy tamin'ny toerana nipetrahany Izy. 16 Kanefa naneso ireo mpitondra hafatr'Andriamanitra izy ireo, nanao tsinontsinona ny teniny, ary naniratsira ireo mpaminaniny, mandra-piharan'ny fahatezeran'i Yaveh tamin'ny vahoakany, ambara-paha tsy nisy fanampiana ho an'izany intsony. 17 Noho izany dia nentin'Andriamanitra teo amin'izy ireo ny mpanjakan'ireo Kaldeana, izay namono ny zatovolahin'izy ireo tamin'ny sabatra tany amin'ny trano fitoerana masina, ary tsy mba nanana fangoraham-po tamin'ireo zatovolahy na ireo virijiny, na ny olona antitra na ny fotsy volo. Natolotr'Andriamanitra teo an-tanany avokoa izy rehetra. 18 Ireo fanaka rehetra tao an-tranon'Andriamanitra, na lehibe na kely, ireo harena tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo haren'ny mpanjaka sy ireo manam-boninahiny— nentiny tany Babylona ireo rehetra ireo. 19 Nodoran'izy ireo ny tranon'Andriamanitra, narodana ny mandan'i Jerosalema, nodorana ny lapany rehetra, ary nopotehina ireo zavatra tsara tarehy rehetra tao amin'izany. 20 Nentin'ny mpanjaka tany Babylona ireo izay tsy tratran'ny sabatra. Lasa mpanompony sy an'ireo zanany lahy izy ireo mandra-panjakan'ny fanjakan'i Persia. 21 Nitranga izany mba hahatanteraka ny tenin'i Yaveh tamin'ny vavan'i Jeremia, mandra-pankafizan'ny tany ny fitsaharany amin'ny Sabata. Nanara-maso ny Sabatany izy ireo raha rava sy haolo izany, mba hiaina fito-polo taona tahaka izany. 22 Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, mba hahatanteraka ny tenin'i Yaveh tamin'ny vavan'i Jeremia, dia nandrisika ny fanahin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia i Yaveh, mba hanaovany fanambarana manerana ny fanjakany rehetra, ary hanoratra izany ihany koa. Hoy Izy hoe: 23 "Izao no ambaran'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra, no nanome ahy ny fanjakan'ny tany rehetra. Nandidy ahy Izy mba hanangana trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Na iza na iza eo aminareo avy amin'ny vahoakany rehetra, dia homba anareo anie Yaveh Andriamanitrareo. Aoka izy hiakatra any amin'ilay tany."
D.H: "alaivo ho gadran'ny Egypta izy."
D.H:" raha ny hevitr'i Yaveh"
D.H: "nanafika an'ny Jerosalema"
Nitondra ny mpanompon'i Nebokadnezara.
Ity dia maneho ny fanompoana ireo andriamanitra tsy izy foana, izay tsy tian'i Yaveh.
ity dia mety fanoharana amin'ny toetrany.
D.H: "raha ny hevitr'i Yaveh''
D.H: "Nanetry tena izy ary nankatò an'Andriamanitra tamin'ny fihainoana an'i Jeremia mpaminany"
"avy amin'ireo teny efa nomen'Andriamanitra azy"
Ireo andian-teny roa ireo dia fomba fiteny hanehoana ny hamafisan-dohan'ny olona. Nasongadin'izy ireo miaraka ny fikomian'i Zedekia manohitra an'Andraimananitra.
Ireo sampy.
D.H: "tsy nohamasinin'izy ireo izay ho masina"
D.H: "fotoana maro"
D.H: "tsy nisy fomba hialana amin'izany"
D.H: "Namela ireo tafik'i Kaldeanina handresy azy ireo Andriamanitra."
nitondra ireo miaramilany
"izy ireo" dia maneho ny miaramilan'ny Babilonianina.
"Nitondra ireo miaramilany."
D.H: "Nanendry ahy handidy ireo mpiasako hanangana tempoly ho Azy any Jerosalema Izy."
1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia nanatanteraka ny teniny izay naloaky ny vavan'i Jeremia, ary nanentana ny fanahin'i Kyrosy i Yaveh. Nivoaka nanerana ny fanjakany manontolo ny feon'i Kyrosy. Izao no voasoratra sy voalaza: 2 "Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia milaza hoe: Yaveh, Andriamanitry ny Lanitra, no nanome ahy ny fanjakana rehetra amin'ny tany, ary nanendry ahy hanorina trano any Jerosalema any Joda ho Azy. 3 Na iza na iza avy amin'ny vahoakany (homba azy anie ny Andriamaniny) dia afaka miakatra any Jerosalema ary hanorina trano ho an'i Yaveh, Andriamanitr'Israely, ilay Andriamanitra izay any Jerosalema. 4 Ny olona izay anatin'ny fanjakana izay honenan'ireo sisa velona ao amin'izany tany izany dia tokony hanome azy ireo volafotsy sy volamena, fananana sy biby, ary koa fanati-tsitrapo ho an'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema." 5 Avy eo nitsangana ireo lohan'ireo razamben'ireo fianakaviam-ben'i Joda sy Benjamina, ireo mpisorona sy Levita, ary ny rehetra izay nentanin'Andriamanitra ny fanahiny mba handeha sy hanorina ny tranony. 6 Ireo nanodidina azy ireo dia nanohana ny asan'izy ireo tamin'ny zavatra volafotsy sy volamena, fananana, biby, zava-tsoa, ary fanati-tsitrapo. 7 Navoakan'i Kyrosy mpanjaka ihany koa ireo zavatra tao an-tranon'i Yaveh izay nentin'i Nebokadnezara avy any Jerosalema ary napetrany tao amin'ny tranon'ireo andriamaniny manokana. 8 Napetrak'i Kyrosy teo an-tanan'i Mitredata mpitahiry vola, izay nanisa ireo ho an'i Sesbazara, mpitarika an'i Joda izany. 9 Ireto no isan'ireo: koveta volamena telopolo, koveta volafotsy arivo, koveta sivy amby roapolo hafa, 10 lovia jobo volamena telopolo, lovia jobo volafotsy 410, ary zavatra hafa arivo fanampiny. 11 Nisy fanaka 5. 400 volamena sy volafotsy raha atambatra. Nentin'i Sesbazara ireo rehetra ireo rehefa niainga avy any Babylona nankany Jerosalema ireo sesitany.
manondro ny fiandohan'ny fanjakan'i Kyrosy mpanjaka
Io dia anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoakany tao amin'ny Testamenta taloha. Jereo ny pejy fandikana ny teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba handikana izany.
"Nanao izay nolazainy fa hataony i Yaveh"
Izay nosoratan'i Jeremia na noresahiny.
Ny fanentanana ny fanahy dia sarintenin'ny fanaovana ny olona iray ho te hanao zavatra. "Yaveh...nahatonga an'i Kyrosy hanao zavatra"
Ny feo dia sarinteny hilazana ny hafatra izay lazain'ilay feo, ary ny fanjakana dia sarintenin'ny vahoaka izay tapahin'ny mpanjaka. DH: "Nandefa hafatra ho an'ny olona rehetra tamin'ireo izay notapahiny i Kyrosy"
Mety ho tsara tokoa ny handikana izany mba hahazoan'ny mpamaky fa mety nisy olon-kafa nanampy an'i Kyrosy mba hahazoan'ny olona izay tapahiny ny hafatra. DH: "izay nosoratan'i Kyrosy sy izay novakian'ireo mpitondra hafatra mba ahafahan'ny olona mandre izany"
Io dia itatra, satria nisy fanjakana izay tsy nanapahan'i Kyrosy.
Mety tokony hazavainao fa ny trano dia mba hanompoan'ny vahoaka an'i Yaveh. DH: "trano izay...any Joda izay ahafahan'ny olona manompo Azy"
ny vahoaka izay an'i Yaveh.
Ireo Israelita izay nifidy ny hijanona teo amin'izay nisy azy dia tokony hanampy ara-batana sy ara-bola ireo izay nifidy ny handeha any Jerosalema.
Io dia manondro ny asan'ny olona izay nentanin'Andriamanitra tao amin'ny andininy teo aloha.
Ny fanahy voaentana dia sarinteny hilazana ny fanaovana ny olona hanao zavatra. DH: "ny rehetra izay nataon'Andriamanitra te handeha" Ireo teny mitovy amin'izany dia ao amin'ny 1:1.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ny fametrahan-javatra eo an-tanan'olona dia sarinteny hilazana ny famelana izany olona izany hanao izay tiany amin'izany zavatra izany. Eto ny mpamaky dia tokony hahatakatra fa i Kyrosy dia nanantena an'i Mitredata hanao izay tian'i Kyrosy hataony. DH: "nametraka an'i Mitredata mpitahiry vola hiandraikitra ireo" na "nanao an'i Mitredata mpitahiry vola ho tompon'andraikitra amin'ireo"
manam-pahefana miandraikitra ny vola
ataovy azo antoka fa fantatr'i Sesbazara tokoa izay nisy ireo zavatra rehetra
Io dia lisitry ny zavatra voaisa.
"30 ... 1.000 ... 29"
zavatra nampiasaina mba hasiana rano hisasana
ny fitambaran'isan'ireo zavatra naverina tany Jerosalema, avy Babylona, notanisaina tsirairay teo ambony
1 Ireto avy ireo olona tany amin'ny faritany izay niakatra avy tamin'ny fambaboan'i Nebokadnezara mpanjaka, izay nanao sesitany azy ireo tany Babylona, ireo olona izay niverina tany amin'ny tanànan'izy ireo tsirairay any Jerosalema sy any Joda. 2 Tonga niaraka tamin'i Zerobabela, Josoa, Nehemia, Seraia, Relaia, Mordekay, Bilsana, Mispara, Bigvay, Rehoma ary Bana izy ireo. Ireto no lisitr'ireo olon'ny vahoakan'Israely. 3 Ireo taranak'i Parosy dia: 2. 172. 4 Ireo taranak'i Sefatia dia: 372. 5 Ireo taranak'i Ara dia: 775. 6 Ireo taranak'i Pahatamoaba, avy tamin'i Jesoa sy Joaba dia: 2. 812. 7 Ireo taranak'i Eliama dia: 1. 254. 8 Ireo taranak'i Zato dia: 945. 9 ireo taranak'i Zakay dia: 760. 10 Ireo taranak'i Bany dia: 642 11 Ireo taranak'i Bebay dia: 623. 12 Ireo taranak'i Azgada dia: 1. 222. 13 Ireo taranak'i Adonikama dia: 666. 14 Ireo taranak'i Bigvay dia: 2. 056. 15 Ireo taranak'i Adina dia: 454. 16 Ireo olon'i Atera, avy tamin'i Hezekia dia: valo amby sivifolo. 17 Ireo taranak'i Bezay dia: 323. 18 Ireo taranak'i Jora dia: 112. 19 Ireo olon'i Hasoma dia: 223. 20 Ireo olon'i Gibara dia: dimy amby sivifolo. 21 Ireo olon'i Betlehema dia: 123. 22 Ireo olon'i Netofa dia: enina amby dimampolo. 23 Ireo olon'i Anatota dia: 128. 24 Ireo olon'i Azmaveta dia: roa amby efapolo. 25 Ireo olon'i Kiriat-Arima, Kefira ary Berota dia: 743. 26 Ireo olon'i Rama sy Gaba dia: 621. 27 Ireo olon'i Mikmasy dia: 122. 28 Ireo olon'i Betela sy Ay dia: 223. 29 Ireo olon'i Nebo dia: roa amby dimampolo. 30 Ireo olon'i Magbisy dia: 156. 31 Ireo olon'i Elama hafa dia: 1. 254. 32 Ireo olon'i Harima dia: 320. 33 Ireo olon'i Loda, Hadida, ary Ono dia: 725. 34 Ireo olon'i Jeriko dia: 345. 35 Ireo olon'i Sena dia: 3. 630 36 Ireo mpisorona: ireo taranak'i Jedaia avy amin'ny ankohonan'i Jesoa dia: 973. 37 Ireo taranak'Imera dia: 1. 052. 38 Ireo taranak'i Pasora: 1. 247. 39 Ireo taranak'i Harima dia: 1. 017. 40 Ireo Levita: ireo taranak'i Jesoa sy Kadmiela, ireo taranak'i Hodavia dia: efatra amby fitopolo. 41 Ireo mpihira ao an-tempoly, taranak'i Asafa dia: 128. 42 Ireo taranak'ireo mpiambina vavahady: ireo taranak'i Saloma, Atera, Talmona, Akoba, Hatita, ary Sobay dia: 139 ny fitambarany. 43 Ireo izay notendrena mba hanompo ao amin'ny tempoly dia: ireo taranak'i Ziha, Hasofa, Tabaota, 44 Kerosa, Siaha, Padona, 45 Lebana, Hagabaha, Akoba, 46 Hagaba, Salmay, ary Hanana. 47 Ireo taranak'i Gidela dia: Gahara, Reaia, 48 Rezina, Nekoda, Gazama, 49 Oza, Pasea, Besai, 50 Asna, Meonita ary Nefisita. 51 Ireo taranak'i Bakboka: Hakofa, Harora, 52 Bazlota, Mehida, Harsa, 53 Barkosa, Sisera, Tema, 54 Nezia, ary Hatifa. 55 Ireo taranak'ireo mpanompon'i Solomona dia: ireo taranak'i Sotahy, Sofereta, Peroda, 56 Jala, Darkona, Gidela, 57 Sefatia, Hatila, Pokereta-Hazebaima, ary i Amy. 58 392 ny fitambaran'ny taranak'ireo izay notendrena hanompo ao amin'ny tempoly sy ireo taranak'ireo mpanompon'i Solomona. 59 Ireo izay nandao an'i Tela-Mela, Tela-Harsa, Keroba, Adana ary Imera—nefa tsy afaka ny hanamarina ireo razamben'izy ireo avy amin'Israely 60 —dia anisan'izany ireo taranaka 652 an'i Delaia, Tobia, ary Nekoda. 61 Avy amin'ny taranak'ireo mpisorona ihany koa dia: ireo taranak'i Habaia, Hakoza, Barzilay (izay naka vady ny zanaka vavin'i Barzilay avy any Gileada ary nantsoina tamin'ny anaran'izy ireo). 62 Nitady ny rakitry ny tetiarany izy ireo, nefa tsy nahita izany, koa dia voaroaka ho toy ny maloto tamin'ny fisoronana izy ireo. 63 Koa nambaran'ny governora tamin'izy ireo fa tsy mahazo mihinana amin'ireo sorona masina izy ireo mandra-paneken'ny mpisorona iray izay mitondra ny Orima sy Tomima. 64 Ny fitambaran'ny vondrona manontolo dia niisa 42. 360, 65 tsy anatin'izany ireo mpanompon'izy ireo sy ny ankizivavin'izy ireo (ireo dia niisa 7. 337) ary ireo lehilahy sy vehivavy mpihiran'ny tempolin'izy ireo (Niisa roanjato). 66 Ny soavalin'izy ireo dia: 736. Ny ampondran'izy ireo dia: 245. 67 Ny ramevan'izy ireo dia: 435. Ary ny borikin'izy ireo dia: 6. 720. 68 Rehefa nandeha tany amin'ny tranon'i Yaveh tany Jerosalema izy ireo, dia nanolotra fanomezana an-tsitrapo ireo lehiben'ny patriarka mba hanorenana ilay trano. 69 Nanome araka ny fahafahany amin'ny petra-bolan'ny asa izy ireo: darika volamena arivo sy enina alina, mane volafotsy dimy arivo, ary akanjo fisoronana zato. 70 Koa ireo mpisorona sy ireo Levita, ny vahoaka, ireo mpihiran'ny tempoly sy ireo mpiambina vavahady, ary ireo izay notendrena hanompo ny tempoly dia nonina tao amin'ireo tanànany. Ny olona rehetra tao Israely dia tao amin'ireo tanànany avokoa.
Ity dia manomboka ny lisitr'ireo anaran'ny vahoaka izay niverina avy any an-tsesitany.
Io dia fomba fiteny izay manondro ny fandehanana mankany Jerosalema. DH: "niverina" na "nandeha niverina"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ity dia tohin'ny lisitr'ireo anaran'ny vahoaka izay niverina avy any an-tsesitany miaraka amin'ny isany isam-bondrona.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ity dia tohin'ny lisitr'ireo anaran'ny vahoaka izay niverina avy any an-tsesitany miaraka amin'ny isany isam-bondrona.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ity dia tohin'ny lisitr'ireo anaran'ny vahoaka izay niverina avy any an-tsesitany miaraka amin'ny isany isam-bondrona.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 2:1 izany.
Ity dia tohin'ny lisitr'ireo anaran'ny vahoaka izay niverina avy any an-tsesitany miaraka amin'ny isany isam-bondrona.
Ireo dia anaran-dehilahy.
"98"
Ity dia tohin'ny lisitr'ireo anaran'ny vahoaka izay niverina avy any an-tsesitany miaraka amin'ny isany isam-bondrona. Diniho fa manomboka ao amin'ny 2:21 dia izany indray ny anaran'ireo toerana izay niavian'izy ireo.
Ireo dia anaran-dehilahy.
"95 ... 56"
Io dia manomboka ny lisitry ny isan'ny vahoaka izay nipetraka tao amin'ny tanàn-dehiben'i Joda ireo razambeny.
Io dia anaran-tanàna any Joda.
Ity dia tohin'ny lisitr'ireo anaran'ny vahoaka izay niverina avy any an-tsesitany miaraka amin'ny isany isam-bondrona izay avy any amin'ireo toerana voatanisa eto ireo razambeny.
Ireo dia anaran-toerana
"42"
Ity dia tohin'ny lisitr'ireo anaran'ny vahoaka izay niverina avy any an-tsesitany miaraka amin'ny isany isam-bondrona izay avy any amin'ireo toerana voatanisa eto ireo razambeny.
Ireo dia anaran-toerana
"52"
Ity dia tohin'ny lisitr'ireo anaran'ny vahoaka izay niverina avy any an-tsesitany miaraka amin'ny isany isam-bondrona izay avy any amin'ireo toerana voatanisa eto ireo razambeny.
Ireo dia anaran-toerana
Ity dia tohin'ny lisitr'ireo anaran'ny vahoaka izay niverina avy any an-tsesitany miaraka amin'ny isany isam-bondrona izay avy any amin'ireo toerana voatanisa eto ireo razambeny.
Io dia anaran-toerana
Ity fizarana ity dia mitanisa ny anaran'ireo mpisorona izay niverina avy any an-tsesitany ireo taranany ary miaraka amin'ny isan'ny isam-bondrona.
Ireo dia anaran-dehilahy
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 2:3 izany.
Ny hoe "Harima" ao amin'ny 2:31 dia anaran-toerana, fa eto kosa ny hoe "Harima" dia anaran-dehilahy.
Ity fizarana ity dia mitanisa ny anaran'ireo mpisorona Levita izay niverina avy any an-tsesitany ireo taranany ary miaraka amin'ny isan'ny isam-bondrona.
Ireo dia anaran-dehilahy
"74"
Ireo niandraikitra izay mandalo eo amin'ireo vavahadin'ny tempoly
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 2:15 izany.
Ity fizarana ity dia manohy mitanisa ny anaran'ireo Levita izay niverina avy any an-tsesitany ny taranany.
Ireo dia anaran-dehilahy
Adikao tahaka ny tao amin'ny 2:40 izany.
Ity fizarana ity dia manohy mitanisa ny anaran'ireo Levita izay niverina avy any an-tsesitany ny taranany. Ireo dia anaran-dehilahy.
Ity fizarana ity dia manohy mitanisa ny anaran'ireo Levita izay niverina avy any an-tsesitany ny taranany. Ireo dia anaran-dehilahy.
Ity fizarana ity dia manohy mitanisa ny anaran'ireo Levita izay niverina avy any an-tsesitany ny taranany.
Ity dia lisitry ny olona izay niverina tany Israely izay avy amin'ireo tanànan'i Babylona samihafa nefa tsy afaka manaporofo ny fandovan'izy ireo.
Ireo dia toerana tany Babylona izay tsy misy intsony amin'izao
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ny rakitra dia izay nilaza hoe iza ny razamben'izy ireo
"tsy nahita ny anaran'izy ireo tao amin'ny rakitr'ireo mpisorona"
Ny anarana hoe "fisoronana" dia afaka adika ho matoanteny hoe "miasa ho mpisorona". DH: "ireo mpisorona hafa nihevitra azy ireo toy ny hoe maloto dia tsy namela azy ireo hiasa ho mpisorona"
tsy sahaza ny ho mpisorona
Ireo dia zavatra roa toy ny kodiakely izay nampiasain'ireo mpisorona mba hanapahana izay tian'Andriamanitra hataon'izy ireo
ny vondrona manontolo izay niverina tany amin'ny tanin'i Joda rehefa avy any an-tsesitany
mpanompo vavin'izy ireo
"200"
Ity dia lisitr'ireo biby miaraka amin'ny isan'ireo isan-karazany avy izay niverina niaraka tamin'ny vahoaka avy tany an-tsesitany.
"61.000 ... 5.000 ... 100"
Ny "darika" dia vola volamena kely nampiasain'ny Fanjakana Persiana.
Ny mane dia mari-pandanjana. Ny mane iray dia mira 550 grama. Ny mane dia mifandray amin'ny fandanjana volafotsy amin'ny ara-dalana.
fitafiana anaovana izay mipetaka amin'ny hoditra
Nody tany amin'ireo tanànany tany Joda avokoa ny olona rehetra. Fa tsy niverina nipetraka tany Jerosalema.
1 Tamin'ny volana fahafito rehefa avy niverina tany an-tanànany avy ny vahoakan'Israely, no niangonan'izy ireo ho iray tany Jerosalema. 2 Niainga ka nanangana ny alitaran'ny Andriamanitr'Israely i Jesoa zanaka lahin'i Jozadaka sy ireo mpisorona rahalahiny, ary Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela, mbamin'ireo rahalahiny mba hanolotra fanatitra dorana araka ny voadidy ao amin'ny lalàn'i Mosesy, ilay lehilahin'Andriamanitra. 3 Dia napetrak'izy ireo teo amin'ny fitoerany ilay alitara, fa nanenika azy ireo ny horohoro nohon'ny amin'ny olon'ilay tany. Nanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh vao mangiran-dratsy sy tamin'ny hariva izy ireo. 4 Nitandrina ny Firavoravoan'ny Fialofana ihany koa izy ireo araka ny voasoratra ary nanolotra fanatitra dorana isan'andro isan'andro araka ny didy, araka ny andraikitra isan'andro avy. 5 Araka izany, dia nisy ny fanatitra dorana andavanandro sy isam-bolana ary fanatitra ho an'ireo firavoravoan'i Yaveh efa voatondro rehetra, mbamin'ireo fanati-tsitrapo rehetra. 6 Nanomboka nanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh izy ireo ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito, na dia mbola tsy voaisy fototra aza ny tempoly. Koa dia nomen'izy ireo volafotsy avy ireo mpanao vato sy ireo mpanao tao-zavatra, 7 ary nomen'izy ireo sakafo, zava-pisotro, sy menaka ny vahoakan'i Sidona sy Tyra, dia nitondra hazo sedera teny an-dranomasina avy any Libanona ka hatrany Jopa izy ireo, araka ny nanomezan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia alalana azy ireo. 8 Ary tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona faharoa taorian'ny nandehanan'izy ireo tao an-tranon'Andriamanitra tao Jerosalema, no nanomboka niasa i Zerobabela, i Jesoa zanaka lahin'i Jozadaka, ireo mpisorona sisa, ireo Levita, ary ireo izay tonga avy tany amin'ny fahababoana niverina tany Jerosalema. Nanendry ireo Levita roapolo taona no ho miakatra izy ireo mba hanara-maso ny asan'ny tranon'i Yaveh. 9 Napetrak'i Jesoa mba hanara-maso ny olona manao ny asa fanorenana ny tranon'Andriamanitra ireo zanany lahy sy ireo rahalahiny, i Kadmiela sy ireo zanany, ary ireo taranak'i Joda. Niaraka tamin'izy ireo ihany koa ireo taranak'i Henadada, ny taranany, ary ireo Levita namany. 10 Nametraka fototra ho an'ny Tempolin'i Yaveh ireo mpanorina. Nahafahan'ireo mpisorona nitsangana nanao ireo akanjony miaraka amin'ny trompetra izany, ary nahafahan'ireo Levita, ireo zanaka lahin'i Asafa, nidera an'i Yaveh tamin'ny kipantsona, araka ny nandidian'ny tanan'i Davida, mpanjakan'Israely. 11 Nihira fiderana sy fisaorana ho an'i Yaveh izy ireo hoe: "Tsara Izy! Maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky amin'Israely." Nihorakoraka mafy tamin'ny hiakam-pifaliana ho fiderana an'i Yaveh ny vahoaka rehetra fa voapetraka ny fototra iorenan'ny tempoly. 12 Saingy maro tamin'ireo mpisorona, Levita, lohan'ny patriarka, ary ireo zokiolona izay nahita ny trano voalohany no nitomany mafy, rehefa voapetraka teo anoloan'ny mason'izy ireo izany fototra iorenan'izany trano izany. Fa maro no nihiaka fifaliana tam-piravoravoana ary tamin'ny feo mangitakitaka. 13 Vokatr'izany, tsy afaka nanavaka ny feo falifaly sy ravoravo tamin'ireo feon'olona nitomany ny vahoaka, satria nihiaka mafy tamin'ny fifaliana lehibe ny olona, ary re avy lavitra tokoa ilay feo.
Io dia volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia amin'ny faran'ny vanin'andro maina sy ny fiandohan'ny akaikin'ny vanin'andron'ny orana. Izany dia mandritra ny tapany faran'ny Septambra sy ny tapany voalohan'ny Oktobra amin'ny tetiandro Tandrefana.
Ny iray dia ao amin'ny toerana iray ihany ary manana tanjona iray ihany. DH: "ho an'ny tanjona iray"
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny ao amin'ny 2:36 izany.
Io dia anaran-dehilahy.
Ny fiaingana dia sarinteny hilazana ny hoe manomboka manao zavatra. DH: "nanomboka nanao zavatra ary nanangana"
Mety ilainao ny manazava hoe ho an'iza ary inona no nandidian'i Yaveh. DH: "araka ny efa nandidian'i Yaveh azy ireo tao amin'ny lalàn'i Mosesy mba hataon'izy ireo"
"nanao ny alitara teo amin'ny fitoerany" na "nametraka ny alitara teo amin'ny fitoerany mba hipetraka eo izany"
Io dia fomba fiteny. DH: "natahotra izy ireo"
Mety ilainao ny manazava ny momba ny vahoakan'ny tany izay nampatahotra ireo Jiosy. DH: "satria noheverin'izy ireo fa te hanafika azy ireo ny vahoakan'ilay tany"
Ny zavatra voalohany nataon'ny vahoaka dia ny nanomboka nanolotra sorona. Izany dia talohan'ny nanangana indray ny tempoly.
Io dia firavoravoana izay nankalazaina anatin'ny valo andro mandritra ny volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia niaraka tamin'ny fotoan'ny eksodosy fony mbola nipetraka tao amin'ny lay ireo Israelitra.
Io dia ny volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro voalohany dia akaikin'ny afovoan'ny Septambra amin'ireo tetiandro Tandrefana.
Nanomboka ireo fankalazana ny fanompoana ireo Jiosy na dia talohan'ny nanombohan'izy ireo nanangana ny tempoly aza. DH: "tsy mbola nametraka ny fototry ny tempoly izy ireo"
Ireo taratasy nalefan'i Kyrosy dia nanome alalana ireo Jiosy mba hividiana fitaovana sy hananganana ny tempoly.
Io dia volana faharoa amin'ny tetiandro Hebreo. Io dia mandritra ny vanin'andro mafana rehefa mijinja ireo vokatra ny olona. Izany dia mandritra ny tapany faran'ny Aprily sy ny tapany voalohan'ny May amin'ny tetiandro Tandrefana.
Io dia mandritra ny taona aorinan'ny iray izay miherina.
Mety ilainao ny manazava fa tsy nisy tranon'Andriamanitra nitsangana tamin'izy ireo tonga. DH: "teo amin'izay nitsanganan'ny tranon'Andriamanitra" na "teo amin'izay hananaganan'izy ireo ny tranon'Andriamanitra"
Ireo dia anaran-dehilahy.
"20 taona"
Io dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 2:40.
Ny "fototra" amin'ity heviny ity dia tsy vongam-bato hanohanana ireo rindrin'ny tempoly fotsiny ihany. Tafiditra ao amin'izany ny gorodon'ny tempoly manontolo izay natao tamin'ny vato iray. Io dia nahafahan'ny mpanompo rehetra ao amin'ny tempoly hanao ny fitafiany manokana sy hitandremany izany tsy haloto.
"ireo fitafiany miavaka"
vy fisaka roa manify, boribory izay miaraka tendrena mba haneno mafy
Ny tanan'ny mpanjaka dia sariteny hilazana ny fahefana handidy. DH: "araka ny nandidian'i Davida"
Fahatsapana sy fanehoana fankasitrahana noho ny hatsaram-panahin'ny hafa.
Io dia manondro ny tempoly voalohany izay natsangan'i Solomona, dia ny tranon'Andriamanitra izany.
Ny maso dia manambara ny fahitana. DH: "teo imason'izy ireo" na "hitan'izy ireo izany"
Io dia manondro ny fihetse-po fanehoana alahelo anisan'izany ny ranomaso sy ny feo.
1 Ary ireo sasany tamin'ny fahavalon'i Joda sy Benjamina dia nandre fa ny vahoaka izay natao sesitany dia manorina tempoly ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ankehitriny. 2 Koa nanatona an'i Zerobabela sy ireo lohan'ny fokon'ny razambe izy ireo. Hoy izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Avelao izahay hanorina hiaraka aminareo, fa satria, mitady ny Andriamanitrareo, tahaka anareo izahay, ary nanao sorona ho Azy hatramin'ny andro nitondran'i Esara-hadona, mpanjakan'i Asyria, anay teto amin'ity toerana ity." 3 Fa i Zerobabela, Jesoa, ary ireo lohan'ny fokon'ny razamben'izy ireo nanao hoe: "Tsy ianareo, fa izahay no tsy maintsy manorina ny tranon'ny Andriamanitray, satria izahay no hanorina ho an'i Yaveh, Andriamanitr'Israely, araka izay nandidian'i Kyrosy mpanjakan'i Persia." 4 Koa nataon'ireo vahoakan'ny tany nalemy ny tanan'ireo Jodiana; nataon'izy ireo natahotra ny hanorina ireo Jodiana. 5 Nolangolangoin'izy ireo ihany koa ny mpanolotsaina mba hahafoana ny tetik'izy ireo. Nandritry ny andron'i Kyrosy rehetra sy tamin'ny fanjakan'i Dariosy mpanjakan'i Persia izy ireo no nanao izany. 6 Ary tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Ahasoerosy dia nanoratra fiampangana an'ireo mponin'i Joda sy Jerosalema izy ireo. 7 Nandritry ny andron'i Ahaseorosy no nanoratan' i Bislama, Mitredata, Tabela, ary ireo namany ho an'i Ahasoerosy. Nosoratana tamin'ny Aramaika ny taratasy ary nadika. 8 Rehoma mpifehy sy i Simsay mpanora-dalàna dia nanoratra momban'i Jerosalema ho an'i Artaksersesy. 9 Avy eo i Rehoma, Simsay, ary ireo naman'izy ireo, izay mpitsara sy manam-boninahitra hafa tao amin'ny governemanta, avy any Ereka, Babylona, ary Sosa avy any Elama dia nanoratra taratasy— 10 mbamin'ireo vahoaka izay noteren'i Asnapara lehibe sy manan-kaja hanorim-ponenana tany Samaria, niaraka tamin'ireo sisa izay tany amin'ny Faritany Andafin'ny Ony. 11 Ity dia dika mitovy amin'ilay lahatsoratra nalefa tany amin'i Artaksersesy: "Ireo mpanomponao, olona avy amin'ny Faritany Andafin'ny Ony, no manoratra izao: 12 Aoka ny mpanjaka hahafantatra fa ireo Jiosy izay avy tany aminao dia tonga hanohitra anay aty Jerosalema mba hanorina tanàna mpikomy. Izy ireo dia nanampina ny manda ary nanamboatra ny fototra. 13 Ary aoka ny mpanjaka hahafantatra fa raha voaorina izany tanàna izany ary voatampina ny manda, dia tsy hanome haba sy hetra izy ireo, fa hanisy ratsy ireo mpanjaka. 14 Tena izany tokoa satria nihinana tamin'ny siran'ny lapa izahay, ka tsy mety aminay ny hahita ny fahafaham-baraka hiseho amin'ny mpanjaka. Noho izany no hampahafantaranay ny mpanjaka 15 mba hitady ny firaketana an-tsoratry ny rainao ary hanamarina fa tanàna mpikomy izay hanisy ratsy ny mpanjaka sy ireo faritany io. Nahatonga olana maro ho an'i mpanjaka sy ireo faritany izany. Foiben'ny fikomiana hatry ny ela izy io. Noho izany antony izany no naharava ilay tanàna. 16 Mampahafantatra ny mpanjaka izahay fa raha voaorina io tanàna sy manda io, dia tsy hisy na inona na inona ho tavela ho anao ao amin'ny Faritany Andafin'ny Ony. 17 Koa nandefa valinteny tany amin'i Rehoma sy Simsay ary ireo namany tao Samaria sy ireo ambiny izay tao amin'ny Faritany Andafin'ny Ony ny mpanjaka hoe: "Fiadanana anie ho anareo. 18 Ny taratasy izay nalefanareo ho ahy dia efa voadika ary novakiana tamiko. 19 Ka nampanao fanadihadiana aho ary nahafantatra fa tamin'ny andro taloha dia efa nikomy nanohitra ireo mpanjaka izy ireo. 20 Ireo mpanjaka mahery dia nanapaka teo amin'i Jerosalema ary nanana fahefana tamin'ny zavatra rehetra tao amin'ny Faritany Andafin'ny Ony. Naloa tamin'izy ireo ny haba sy ireo hetra. 21 Ankehitriny, manaova lalàna ho an'ireo lehilahy ireo mba hanajanona sy tsy hanorina io tanàna io izy ireo mandra-panaovako lalàna. 22 Mitandrema mba tsy hanao tsirambina izany. Nahoana izany fandrahonana izany no avela hitombo ka ho fatiantoka fahaverezana maro ho an'ny tombontsoan'ny fanjakana? 23 Rehefa novakiana teo anatrehan'i Rehoma, Simsay, ary ireo namany, ny lalàn'i Artarkersesy Mpanjaka, dia nivoaka an'i Jerosalema haingana izy ireo ary nanery ireo Jiosy mba hanajanona ny fanorenana. 24 Koa nijanona ny asa fanaovana ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema mandra-pahatongan'ny taona faharoan'ny fanjakan'i Dariosy mpanjakan'i Persia.
Ireo olona tsy Jiosy dia manome fanampiana mba hanorenana ny tempoly.
DH: "izay nataon'ireo Babyloniana sesitany"
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 2:1.
Nanapaka tany Asyria talohan'ny nanapahan'i Kyrosy tany Persia izy.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 2:3.
Ireo mety ho heviny dia 1) nahatsapa ny mpitarika Jiosy fa izy ireo ihany no navelan'i Kyrosy hanorina ny tempoly na 2) ny fanorenana ny tempoly dia asan'ireo Jiosy manokana ary tsy hisy Jiosy havela handray anjara amin'ny asa.
"vahoaka izay monina eo amin'ilay tany tamin'izany fotoana izany", anisan'izany ireo tsy Jiosy sy ireo Jiosy izay tsy nataon'ireo Babyloniana sesitany ny fianakaviany
nahakivy ireo Jodiana
olona izay niverina avy Babylona ary nipetraka tao amin'ny tanin'ny Joda
"mba hanao an'izany mba tsy ahafahan'ireo Jodiana manangana ny tempoly araka ny norafetin'izy ireo"
Ny anarana hoe "fiampangana" dia afaka adika ho matoanteny hoe "miampanga" sy ny matoanteny hoe "miaina ao", ihany koa. Mety ilainao ny manazava fa nampangain'ireo fahavalo ho nanao izany ireo Jodiana. DH: "nanoratra taratasy izay niampangan'izy ireo izay nonina tany Joda sy Jerosalema ho tsy nankatoa ny mpanjaka"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia ilay taratasy noresahina tao amin'ny 4:4.
Io dia ny fiteny izay nampiasaina amin'ny fandraharahana ofisialy tamin'izany faritra izany tamin'izany fotoana izany
nadika ho Persiana
Io dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-tanàna
Io dia anaram-paritra lehibe teo amin'ny tany
Io dia anaran-dehilahy.
Io dia anaran'ny faritany izay andrefan'ny Renirano Eofrata. Izany dia ampitan'ny renirano avy any amin'ny tanànan'i Sosa.
Ampidirin'i Ezra ao amin'ny lahatsorany ny zava-misy ao amin'ny taratasy nalefa ho an'i Artaksersesy mpanjaka.
Io dia anaran'ny faritany izay andrefan'ny Renirano Eofrata. Izany dia ampitan'ny renirano avy any amin'ny tanànan'i Sosa. Adikao toy ny tao amin'ny 4:9.
Ny tanàna dia sarinteny hilazana ny vahoaka izay monina ao amin'izany. DH: "tanàna iray izay neritreretin'izy ireo honenana sy hikomiana aminao"
DH: "raha manamboara ilay tanàna izy ireo ka voatampina ny manda"
Ny teny hoe "hanisy ratsy" dia manondro ireo Jodiana tsy manome vola ireo mpanjaka intsony.
Ireo mety ho heviny dia mety hanondro izao izany 1) tsy nivadika tamin'ny mpanjaka ireo mpanoratra (UDB) na 2) nanome voninahitra manokana ireo mpanoratra ny mpanjaka. DH: "tsy nivadika taminao izahay" na "efa nanome voninahitra anay tamin'ny nanaovanao anay ho manamboninahitrao ianao"
Ny tanàna dia sarinteny hilazana ny olona izay monina ao. DH: "tanàna izay onenan'ny olona izay efa nikomy tamin-drainao"
Mety ilainao ny manazava hoe iza no nandrava ilay tanàna. DH: "noravain'ireo Babyloniana ilay tanàna"
DH: "raha nanorina ilay tanàna sy ny manda izy ireo" Ireo teny mitovy amin'izany dia hita ao amin'ny 4:13.
Io dia itatra mba hampieritreretana ny mpanjaka fa ho very hetra betsaka izy raha mikomy ireo Jodiana.
Io dia anaran'ny faritany izay andrefan'ny Renirano Eofrata. Izany dia ampitan'ny renirano avy any amin'ny tanànan'i Sosa. Adikao toy ny tao amin'ny 4:9.
Io dia anaran'ny faritany izay andrefan'ny Renirano Eofrata. Izany dia ampitan'ny renirano avy any amin'ny tanànan'i Sosa. Adikao toy ny tao amin'ny 4:9.
Mety ilainao ny manazava hoe iza no nandika sy namaky ilay taratasy ho an'ny mpanjaka. DH: "Efa nasiako nandika sy namaky ny taratasy izay nalefanao ho ahy ireo mpanompoko"
Io dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 2:1.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 4:7.
Ny Ony Eofrata
Io dia anaran'ny faritany izay andrefan'ny Renirano Eofrata. Izany dia ampitan'ny renirano avy any amin'ny tanànan'i Sosa. Adikao toy ny tao amin'ny 4:9.
DH: "Nandoa haba sy hetra tany amin'ireo mpanjaka ireo ny vahoaka tany Jerosalema" na "Afaka ny haka ny haba sy ny hetra ireo mpanjaka ireo"
manaova didy
"Aoka mba hatao izany"
Mampiasa fanontaniana i Artaksersesy mba hilazana amin'izy ireo fa takany fa ho very hetra sy voninahitra izy raha voaorina ilay tanàna. DH: "Tsy ataonareo azo antoka fa tsy hitombo izany fandrahonana izany ary tsy hahafaty antoka be ho an'ny tombontsoan'ny fanjakana."
Ny loza dia resahina toy ny hoe zavamaniry izay afaka mitombo habe izany. DH: "ny loza mba ho ratsy kokoa"
Ny teny hoe "ny tombontsoan'ny fanjakana' dia sarinteny hilazana ny mpanjaka mihitsy. DH: "mahatonga zavatra ratsy maro hitranga amin'ireo mpanjaka"
Mety ilainao ny manazava hoe iza no namaky ny didy avy amin'ny mpanjaka tamin'ireo manam-boninahitra. DH: "namaky ny didiny ireo mpitondra hafatra avy amin'i Artaksersesy"
Io fe-potoana io dia naharitra teo ho eo amin'ny 16 taona teo.
1 Ary Hagay mpaminany sy Zakaria zanaka lahin'Ido mpaminany dia naminany tamin'ny anaran'ny Andriamanitr'Israely tamin'ireo Jiosy tao Joda sy Jerosalema. 2 Nitsangana Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela sy Jesoa zanaka lahin'i Jozadaka ary nanomboka nanamboatra ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema niaraka tamin'ireo mpaminany izay nampahery azy ireo. 3 Avy eo i Tatenay governoran'ny Faritany tany Andafin'ny Ony, Setara Bozenay, ary ireo mpiara-dia aminy dia tonga ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Iza no nandidy anareo hanamboatra io trano io sy hamita ireo manda ireo?" 4 Hoy ihany koa izy ireo hoe: "Iza avy no anaran'ireo lehilahy nanamboatra io trano io? 5 Fa ny mason'Andriamanitra dia teo amin'ireo loholona Jiosy ary tsy nanakana azy ireo ny fahavalon'izy ireo. Niandry taratasy ho lasa any amin'ny mpanjaka sy lalàna hiverina amin'izy ireo mahakasika izany izy ireo. 6 Ity no dika mitovin'ilay taratasin'i Tatenay, governoran'ny Faritany tany Andafin'ny Ony, sy Setara Bozenay ary ireo mpiara-miasa taminy tany amin'ny Faritany tany Andafin'ny Ony, izay nalefan'izy ireo ho an'i Dariosy mpanjaka. 7 Nandefa tatitra izy ireo, nanoratra izao ho an'i Dariosy mpanjaka hoe: "Ho anao anie ny fiadanana rehetra. 8 Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa izahay dia nankany Joda ho any amin'ny tranon'Andriamanitra lehibe. Izany dia haorina amin'ireo vato vaventy sy hazo matevina apetraka amin'ireo manda. Efa atao tsara mihitsy ny asa ary mandroso tsara eo am-pelatanan'izy ireo. 9 Nanontany ireo loholona izahay hoe: 'Iza no nanome anareo lalàna hanamboatra io trano io sy ireo manda ireo?' 10 Nanontany ny anaran'izy ireo ihany koa izahay mba hahafantaranao ny anaran'ny lehilahy tsirairay avy izay nitarika azy ireo. 11 Namaly izy ireo ary nanao hoe: 'Izahay dia mpanompon'ilay Iray izay Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ary izahay dia mamerina manangana ny trano izay namboarina taona maro tany aloha rehefa nanorina izany ny mpanjaka lehiben'Israely ary nahavita izany. 12 Na izany aza, rehefa nampatezitra an'ilay Andriamanitry ny lanitra ny razambenay, dia natolony teo am-pelatanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona izy ireo, izay nandrava io trano io ary naka ny olona ho sesitany tany Babylona. 13 Kanefa, tamin'ny taona voalohany naha-mpanjakan'i Babylona an'i Kyrosy, dia namoaka didy hanamboarana ny tranon'Andriamanitra indray i Kyrosy. 14 Naverin'i Kyrosy mpanjaka ihany koa ireo zavatra volamena sy volafotsy tao an-tranon'Andriamanitra izay nentin'i Nebokadnezara avy tao amin'ny tempoly tao Jerosalema ho any amin'ny tempoly tao Babylona. Ireo dia naveriny tamin'i Sesbazara, izay nataony ho governora. 15 Hoy izy taminy hoe: "Raiso ireo zavatra ireo. Mandehana ary hapetraho ao amin'ny tempoly ao Jerosalema ireo. Aoka ny tranon'Andriamanitra ho hatsangana any." 16 Ary tonga io Sesbazara io ka nametraka ny fototry ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema; ary namboarina izany, fa tsy mbola vita tanteraka.' 17 Ary raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ho zahana ao amin'ny trano firaketana ao Babylona raha misy didy hanamboarana ilay tranon'Andriamanitra ao Jerosalema avy tamin'i Kyrosy mpanjaka ao. Dia aoka ny mpanjaka handefa ny fanapaha-keviny aminay.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia anaran-dehilahy.
Io dia ny tempolin'Andriamanitra.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia anaran'ny faritany izay andrefan'ny Renirano Eofrata. Izany dia ampitan'ny renirano avy any amin'ny tanànan'i Sosa. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 4:9.
Ny maso dia sarinteny hilazana ny olona mijery olon-kafa. DH: "Nijery azy ireo Andriamanitra"
DH: "fa nisy manam-boninahitra nandefa taratasy tany amin'ny mpanjaka mba handefa taratasy misy lalàna ho valin'izany any amin'izy ireo ny mpanjaka"
Ampidirin'i Ezra ao amin'ny vontoatin'ny taratasy ho an'i Dariosy mpanjaka ny mahakasika ny asan'izy ireo tamin'ny tempoly.
Io dia anaran'ny faritany izay andrefan'ny Renirano Eofrata. Izany dia ampitan'ny renirano avy any amin'ny tanànan'i Sosa. Adikao toy ny tao amin'ny 4:9.
Mbola mitohy ny taratasy avy any amin'i Tatenay ho an'ny mpanjaka izay nanomboka tao amin'ny 5:6.
hazo ampiasaina amin'ny fananganana
"Iza no nanome alalana anareo"
Mbola mitohy ny taratasy avy any amin'i Tatenay ho an'ny mpanjaka izay nanomboka tao amin'ny 5:6.
Ireo mety ho heviny dia 1) Niantso ny vahoaka Jiosy mpanompon'Andriamanitra izy ireo na 2) ireo izay namaly dia avy amin'ny fokon'i Levy sy Arona, izay olona tena tompon'andraikitry ny fanompoana ao an-tempoly sy ny sorona tokoa.
DH: "izay efa namboarin'ny mpanjakan'Israely lehibe sy novatsiany ny fitaovana rehetra amin'izany"
"namatsy ny fitaovana rehetra amin'izany"
Mbola mitohy ny taratasy avy amin'i Tatenay ho an'ny mpanjaka. Mbola manohy milaza amin'ny mpanjaka izay nolazain'ireo Jodiana taminy nanomboka tao amin'ny 5:11 i Tatenay.
"nahatonga an'Andriamanitry ny lanitra ho tezitra indrindra aminay"
Ny tanana dia sarinteny hilazana ny fahefana na fifehezana. Ny "Nebokadnezara" ihany koa dia manambara ny tafiny. DH: "namela an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny tafiny mba handrava izany trano izany ary haka ny vahoaka"
"nanjera io trano io"
Nibaiko i Kyrosy ny mba hanamboaran'ny olona indray ny tempolin'Andriamanitra.
Mbola mitohy ny taratasy avy amin'i Tatenay ho an'ny mpanjaka izay nanomboka tao amin'ny 5:6. Mbola manohy milaza amin'ny mpanjaka izay nolazain'ireo Jodiana taminy nanomboka tao amin'ny (5:11) i Tatenay.
Naverin'i Kyrosy mpanjaka ireo zavatry ny tempoly.
DH: "Tiako hanangana ny tranon'Andriamanitra indray ireo Jodiana"
Mbola mitohy ny taratasy avy amin'i Tatenay ho an'ny mpanjaka izay nanomboka tao amin'ny 5:6. Mbola manohy milaza amin'ny mpanjaka izay nolazain'ireo Jodiana taminy nanomboka tao amin'ny (5:11) i Tatenay.
DH: "efa manamboatra izany ny olona izao, nefa tsy mbola vitan'izy ireo tanteraka ny asa rehetra"
nanangana
Mbola mitohy ny taratasy avy amin'i Tatenay ho an'ny mpanjaka izay nanomboka tao amin'ny 5:6. Efa mamarana ny filazany amin'ny mpanjaka izay nolazain'ireo Jodiana azy i Tatenay ary mangataka ny mpanjaka mba hijery raha marina izay nolazain'ireo Jodiana taminy.
DH: "Tiako ianao mba handefa olona hizaha izany olana izany"
"raha misy firaketana izay namoahan'i Kyrosy mpanjaka lalàna ao"
1 Ary nampanao fanadihadiana tao amin'ny trano firaketana tao Babylona i Dariosy Mpanjaka. 2 Tao amin'ny tanàna voaaron'i Akmeta ao Mediana no nahitana horonan-taratasy iray; izao no voarakitra tao: 3 "Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy Mpanjaka, dia namoaka didy momban'ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema i Kyrosy hoe: 'Aoka hatsangana indray ny trano mba ho toeran'ny sorona, aoka hapetraka ny fototra iorenany, aoka ho enimpolo hakiho ny haavony, ary enimpolo hakiho ny sakany, 4 miaraka amin'ny vato lehibe telo andalana sy hazo vaovao iray andalana, ary aoka ny vidiny haloa amin'ny tranon'ny mpanjaka. 5 Ary ento miverina ny fitaovana volamena sy volafotsy izay an'ny tranon'Andriamanitra, izay nentin'i Nebokadnezara avy tany amin'ny tempoly any Jerosalema nankany Babylona ary avereno ao amin'ny tempoly any Jerosalema. Ianao no hametraka ireo ao an-tranon'Andriamanitra.' 6 Ary Tatenay, governoran'ny Faritra Andafin'ny Ony, Setara Bozenay, ary ireo mpiara-miasa izay any amin'ny Faritra Andafin'ny Ony, miataha lavitra! 7 Avelao ny asa amin'ity trano ity ho an'Andriamanitra irery ihany. Ny governora sy ireo loholona Jiosy no hanangana ity tranon'Andriamanitra ity amin'izany toerana izany. 8 Mandidy ny tsy maintsy hanaovanareo izao ho an'ireo loholona Jiosy izay manangana izao tranon'Andriamanitra izao aho: Ny vola avy amin'ny hetran'ny mpanjaka avy any andafin'ny Ony no hampiasaina hanakaramana ireo lehilahy ireo mba tsy hanajanonan'izy ireo ny asany. 9 Na inona na inona ilaina— zanak'omby, ondry lahy, na zanak'ondry ho an'ny fanatitra dorana ho an'ny Andriamanitry ny Lanitra, vary, sira, divay, na diloilo araka ny didin'ireo mpisorona ao Jerosalema— dia omeo azy ireo isan'andro tsy tapaka ireo zavatra ireo. 10 Ataovy izany mba hitondran'izy ireo ny fanatitra ho an'ny Andriamanitry ny Lanitra ka hivavaka ho ahy, mpanjaka, sy ireo zanako. 11 Ary mandidy aho fa na iza na iza mandika io lalàna io, dia tsy maintsy hanesorana andry iray eo amin'ny tranony ary tsy maintsy hahantona amin'izany izy. Ary tsy maintsy ho lasa fako mivangongo noho izany ny tranony. 12 Ary Andriamanitra izay nahatonga ny anarany hitoetra teo anie handringana izay mpanjaka na olona izay manandra-tanana hanova izany lalàna izany, na hanimba izany tranon'Andriamanitra ao Jerosalema izany. Izaho, Dariosy, no mandidy izany. Aoka hatao am-pahazotoana izany!" 13 Ary nohon'ny lalàna nalefan'i Dariosy mpanjaka, i Tatenay, ilay governoran'ny Faritra Andafin'ny Ony, sy Setara Bozenay sy ireo mpiara-miasa aminy, dia nanao izay rehetra nandidian'i Dariosy Mpanjaka. 14 Ka dia nanangana araka izay natoron'i Hagay sy Zakaria tamin'ny faminaniana ireo loholona Jiosy. Natsangan'izy ireo araka ny didin'ny Andriamanitr'Israely sy Kyrosy, Dariosy, ary Artaksersesy, mpanjakan'i Persia izany. 15 Dia vita ny trano tamin'ny andro fahatelon'ny volana Adara, tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Dariosy Mpanjaka. 16 Nankalaza ny fanokanana izany tranon'Andriamanitra izany tamin'ny fifaliana ny vahoaka Israelita, ireo mpisorona, ireo Levita, ary ireo sisa tamin'ireo babo. 17 Nanolotra omby zato, ondry lahy zato, ary zanak'ondry efajato ho an'ny fanokanana ny tranon'Andriamanitra izy ireo. Osy lahy roa ambin'ny folo ihany koa no natolotra ho fanatitra nohon'ny ota ho an'Israely rehetra, iray isaky ny foko tany Israely. 18 Nanendry ireo mpisorona sy Levita tamin'ny fizaràn'asa ho an'ny fanompoana an'Andriamanitra ao Jerosalema ihany koa izy ireo, araka ny voasoratra tao amin'ny Bokin'i Mosesy. 19 Ary ireo izay avy tany an-tsesitany dia nankalaza ny Paska tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana voalohany. 20 Ireo mpisorona sy ny Levita rehetra dia nanadio ny tenany ary namono ny soron'ny Paska ho an'ireo izay avy tany an-tsesitany rehetra, anisan'izany izy ireo. 21 Ny vahoaka Israelita izay nihinana tamin'ny henan'ny Paska dia ireo izay niverina avy tany an-tsesitany sy nanasaraka ny tenany tamin'ny fahalotoan'ny vahoakan'ny tany ary nitady an'i Yaveh, Andriamanitr'Israely. 22 Nankalaza tamin'ny fifaliana ny Firavoravoan'ny Mofo tsy misy masirasira nandritry ny fito andro izy ireo, satria i Yaveh dia efa nitondra fifaliana tamin'izy ireo ary nanova ny fon'ny mpanjakan'i Asyria mba hampatanjaka ny tanan'izy ireo tamin'ny asan'ny tranony, dia ilay tranon'ny Andriamanitr'Israely.
Ny anarana hoe "fanadihadiana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny hoe "manadihady" na "mitady". DH: "nibaiko ireo manam-boninahitra mba hanadihady" na "nibaiko ireo manam-boninahitra mba hitady"
Izay tokony hadihadian'izy ireo dia afaka ambara mazava. DH: "nibaiko ireo manam-boninahiny mba hizaha ireo firaketana" na "nibaiko ireo manam-boninahiny mba hitady sy hijery raha nisy firaketan'i Kyrosy Mpanjaka nilaza ireo Jiosy mba hanamboatra ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema tao"
Io dia trano izay hitahirizan'ny manam-boninahitry ny mpanjaka ireo firaketan-dehiben'ny governemanta.
Io dia anaran-tanàna.
DH: "nahita horonan-taratasy izy ireo" na "nahita horonan-taratasy iray izay nilaza momba an'i Dariosy sy Jerosalema izy ireo"
Ity dia manomboka ny firaketana ny didin'i Kyrosy Mpanjaka fa nanangana indray ny tempolin'Andriamanitra tao Jerosalema ireo Jiosy.
Afaka ambara mazava fa voalohan'ny taona nanjakany izany. DH: "Tamin'ny taona faha-1 nanjakan'i Kyrosy Mpanjaka"
DH: "Aoka hatsangan'ireo Jiosy indray ny trano"
"60 hakiho." Mety hamadika izany amin'ny fandrefesana amin'izao ianao. DH: "fito amby roapolo metatra"
Ireo mety ho heviny dia 1) izany dia manoritsoritra ny fomba nananganana ny fototra. DH: "Nanamboatra izany tamin'ny vato lehibe telo sosona voafono tamin'ny hazo lehibe iray sosona" na 2) izany dia manoritsoritra ny fomba nanamboarana ny rindrina. DH: "Nanamboatra ny rindrina tamin'ny vato lehibe telo sosona izay mifanarakaraka amin'ny hazo lehibe iray sosona"
Ny andianteny hoe "tranon'ny mpanjaka" dia manambara ny haren'i Kyrosy Mpanjaka manokana tao amin'ny tahirim-bolam-panjakana. DH: "Haloako amin'ny vola avy amin'ny tahirim-bolam-panjakana izany"
Ity dia manomboka ny firaketana ny didin'i Kyrosy Mpanjaka fa nanangana indray ny tempolin'Andriamanitra tao Jerosalema ireo Jiosy, izay nanomboka tao amin'ny 6:3.
Manoratra mivantana tamin'ireo lehilahy ireo i Dariosy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 5:3 ireo anarany ireo.
Io dia anaran'ny faritany izay andrefan'ny Renirano Eofrata. Izany dia ampitan'ny renirano avy any amin'ny tanànan'i Sosa. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 4:9.
Ity dia manomboka ny firaketana ny didin'i Kyrosy Mpanjaka fa nanangana indray ny tempolin'Andriamanitra tao Jerosalema ireo Jiosy, izay nanomboka tao amin'ny 6:3.
DH: "Ampiasao mba handoavana ny karaman'ireo lehilahy ireo ny vola avy amin'ny hetran'ireo mpanjaka andafin'ny ony"
"Ny hetran'ny mpanjaka" dia manondro ny haba izay aloan'ny vahoaka amin'ny mpanjaka. DH: "Ny vola avy amin'ny hetra izay nangoninao ho an'ny mpanjaka avy any amin'ny vahoaka andafin'ny ony"
DH: "Na inona na inona ilain'izy ireo"
Ity dia manomboka ny firaketana ny didin'i Kyrosy Mpanjaka fa nanangana indray ny tempolin'Andriamanitra tao Jerosalema ireo Jiosy, izay nanomboka tao amin'ny 6:3.
DH: "Mandidy ireo manam-boninahitro hanala andry iray amin'ny tranony sy hanantona azy eo amin'izany aho. Ka dia havadik'izy ireo ho fako mivangongo ny tranony"
tapaka hazo mafy, matanjaka, manohana ny tafon'ny trano iray
fantsihina eo
Ny fanandratana ny tanana dia manambara ny fiezahana sy ny fahasahiana hanao zavatra. DH: "izay miezaka hanova...na hanimba" na "izay sahy hanova...na hanimba"
Ny anarana hoe "lalàna" dia afaka ambara amin'ny andianteny hoe "izay efa nandidiako." DH: "mba hanova izay efa nandidiako" na "mba hilaza fa efa nandidy zavatra hafa aho"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 5:3 ihany ireo anaran-dehilahy ireo.
Mety ilainao ny manazava hoe trano inona no vitan'izy ireo. DH: "Vitan'izy ireo ny tranon'Andriamanitra" na "Vitan'izy ireo ny fananganana ny tempoly"
Ny "adara" dia anaran'ny volana faharoa ambiny folo sy farany amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny vanin'andro mangatsiaka. Ny andro fahatelo dia akaikin'ny fisasahan'ny Febroary amin'ny tetiandro Tandrefana.
Efa nanapaka nandritra ny dimy taona i Dariosy mpanjaka, koa ao anatin'ny taona laharana fahaenina nanjakany izy ankehitriny.
Ireo olona ireo dia nobaboina sy nalaina tany Babylona, nefa niverina tany Jerosalema izy ireo. DH: "ny ambin'ireo olona izay nobaboina tany Babylona ary niverina tany Jerosalema" na "ny ambin'ny olona izay niverina avy amin'ny fahababoana"
"omby 100...zanak'ondry 400"
Ny anarana hoe "fizaràn'asa" dia afaka ambara amin'ny andianteny hoe ''nozaraina ho ao anatin'ny vondron'asa". DH: "nozaraina ho ao anatin'ny vondron'asa ireo mpisorona sy ireo levita"
"vondrona izay miara-miasa"
Io dia volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahefatra ambin'ny folo dia akaikin'ny fiandohan'ny Aprily amin'ny tetiandro Tandrefana.
"nanao ny tenan'izy ireo ho madio". Ny hoe madio dia manambara hoe eken'Andriamanitra. DH: "nanao ny tenan'izy ireo ho eken'Andriamanitra"
Ny fanasarahana ny tenan'izy ireo amin'ny fahalotoana dia manambara ny fandavana ny hanao ireo zavatra izay mandoto ny olona. DH: "Nandà ny hanao ireo zavatra izay nataon'ny mponin'ny tany izay nandoto azy izy ireo"
Eto ny hoe "fahalotoana" dia manambara izay tsy eken'Andriamanitra. DH: "ireo zavatra izay nataon'ny mponin'ny tany izay nahatonga azy ireo tsy eken'Andriamanitra"
Ny fitadiavana an'i Yaveh dia manambara ny fisafidianana ny hahafantatra, ny hanompo, ary ny hankatoa Azy. DH: "nifidy ny hankatoa an'i Yaveh"
Ny fanovana ny fon'ny mpanjaka dia manambara ny fanaovana azy hieritreritra hafa momba ny asan'ny tempoly. DH: "nanova ny toe-tsain'ny mpanjakan'i Asyria" na "nahatonga ny mpanjakan'i Asyria te"
Ny fanatanjahana ny tanan'izy ireo amin'ny asa dia manambara ny fanampiana azy ireo mba hiasa. Nanao izany tamin'ny filazana azy ireo mba hanao ny asa sy hamatsy vola ho an'izany ny mpanjaka Asyriana. DH: "mba hanampiana azy ireo hanao ny asa hanaovana ny tranony" na "mba hahatonga ny asa hanaovana ny tranony ho hain'izy ireo hatao"
Io dia manondro ny fananganana ny tempoly.
1 Ary taorian'izany, nandritry ny nanjakan'i Artaksersesy mpanjakan'i Persia, dia niakatra avy tany Babylona i Ezra. Ireo razamben'i Ezra dia i Seraia, Azaria, Hilklay, 2 Saloma, Zadoka, Ahitoba 3 Amaria, Azaria, Meraiota, 4 Zerahia, Ozy, Boky, 5 Abisoa, Finehasa, Eleazara, izay zanaka lahin'i Arona mpisoronabe. 6 Niakatra avy tany Babylona i Ezra ary izy dia mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn'i Mosesy, izay efa nomen'i Yaveh, Andriamanitr'Israely. Nomen'ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahany satria nomban'ny tanan'i Yaveh izy. 7 Ny sasany tamin'ireo taranak'Israely sy ireo mpisorona, Levita, mpihiran'ny tempoly, mpiambina vavahady, ary ireo izay notendrena hanompo tao an-tempoly dia niakatra tany Jerosalema ihany koa tamin'ny taona fahafito ambin'ny folo nanjakan'i Artaksersesy Mpanjaka. 8 Dia tonga tany Jerosalema tamin'ny volana fahadimy tamin'io taona io ihany izy. 9 Niala tao Babylona tamin'ny andro voalohan'ny volana voalohany izy. Tamin'ny andro voalohan'ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema, satria nomban'ny tanana tsaran'Andriamanitra izy. 10 I Ezra dia nametraka ny fony mba hianatra, hanatanteraka, ary hampianatra ireo fitsipika sy ireo didin'ny lalàn'i Yaveh. 11 Izao no didy izay nomen'i Artaksersesy mpanjaka an'i Ezra mpisorona sy mpanora-dalàn'ny didy aman-dalàn'i Yaveh ho an'Israely: 12 "Artaksersesy Mpanjakan'ny mpanjaka, ho an'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàn'ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra. 13 Izaho dia mandidy fa ny olona rehetra avy any Israely ao amin'ny fanjakako miaraka amin'ireo mpisorona sy ireo Levitan'izy ireo izay maniry ny andeha ho any Jerosalema, dia afaka miaraka aminao. 14 Izaho, mpanjaka, sy ireo mpanolotsaiko fito, dia maniraka anareo rehetra mba hanontany mahakasika an'i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitra, izay eo an-tananao. 15 Tsy maintsy entinareo ny volafotsy sy ny volamena izay efa natolotr'izy ireo an-kalalahana tamin'ny Andriamanitr'Israely, izay any Jerosalema ny fonenany. 16 Omeo an-kalalahana ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay nomen'ny Babylona rehetra niaraka tamin'izay efa natolotry ny vahoaka sy ireo mpisorona an-kalalahana ho an'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema. 17 Koa mividiana omby, ondry lahy sy zanak'ondry, ary fanatitra hohanina sy fanatitra sotroina maro be. Atolory eo amin'ny alitara izay ao amin'ny tranon'ny Andriamanitrao any Jerosalema ireo. 18 Ireo ambina volafotsy sy volamena dia anaovy izay hitanao fa tsara ho anao sy ireo rahalahinao, mba hampifaly ny Andriamanitrao. 19 Apetraho eo anatrehany ho an'ny asa fanompoana ao amin'ny tranon'Andriamanitrao any Jerosalema ireo zavatra izay nomena anao an-kalalahana. 20 Izay zavatra hafa rehetra ilaina ho an'ny tranon'ny Andriamanitrao takianao, dia alaivo ao amin'ny fitehirizan-drakitro ny vidin'izany. 21 Izaho, Artaksersesy Mpanjaka, dia manao didy ho an'ireo mpitahiry vola any amin'ny Faritany Andafin'ny Ony, fa ny zavatra rehetra izay angatahin'i Ezra aminao dia tokony homena manontolo, hatramin'ny talenta volafotsy zato, vary zato kora, divay zato bata, ary diloilo zato bata, 22 ary koa sira tsy misy fetrany. 23 Izay zavatra rehetra avy amin'ny didin'ny Andriamanitry ny Lanitra, dia ataovy miaraka amin'ny fanoloran-tena ho an'ny tranony izany. Fa nahoana ny fahatezerany no ho tonga eo amin'ny fanjakako sy ireo zanako lahy? 24 Ampahafantarinay azy ireo ny mahakasika anao izay tsy hitaky haba na hetra amin'ireo mpisorona rehetra, ireo Levita, ireo mpitendry zava-maneno, ireo mpiambina vavahady, na eo amin'ny vahoaka notendrena ho amin'ny asan'ny tempoly ary ireo mpanompon'ny tranon'izany Andriamanitra izany. 25 Ry Ezra, amin'ny fahendrena izay efa nomen'Andriamanitra anao, dia manendre mpitsara sy olona lalin-tsaina hanompo ireo vahoaka rehetra any amin'ny Faritany Andafin'ny Ony, ary hanompo ny olona izay mahafantatra ny lalàn'Andriamanitrao. Mampianara ireo izay tsy mahalala ny lalàna ihany koa. 26 Sazio ny olona izay tsy mankatoa tanteraka ny lalàn' Andriamanitra na ny lalàn'ny mpanjaka, na amin'ny alalan'ny fahafatesana, na fandroahana, fanagiazana ny fananan'izy ireo, na fanagadrana. 27 Miderà an'i Yaveh, Andriamanitry ny razantsika, izay nametraka izany rehetra izany tao am-pon'ny mpanjaka mba hanomezam-boninahitra ny tranon'i Yaveh any Jerosalema, 28 ary izay namone ny fanekena mahatoky tamiko teo anatrehan'ny mpanjaka, ireo mpanolo-tsainy, ary ireo manam-pahefany mahery rehetra. Efa nampatanjahana tamin'ny alalan'ny tanan'i Yaveh Adriamanitro aho, ary nanangona mpitarika avy amin'Israely mba hiaraka amiko.
Miverina any amin'i Arona, ilay mpisorona be voalohany ny tetiaran'i Ezra.
Izay niakaran'i Ezra dia afaka ambara mazava. DH: "Niakatra tany Jerosalema i Ezra rehefa avy any Babylona"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:1 ihany io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:40 ihany io anaran-dehilahy io.
Ity lisitra ity dia anaran-dehilahy avokoa.
"Nomen'ny mpanjaka an'i Ezra avokoa izay nangatahiny rehetra"
Ny hoe "tananan'i" Yaveh dia manambara ny fitahiana na ny fanampian'i Yaveh. DH: "tamin'i Ezra ny fitahian'i Yaveh" na "nitahy an'i Ezra i Yaveh"
Io dia manondro ny taona fahafito nanjakany. DH: "tamin'ny taona fahafito izay naha-mpanjaka an'i Artaksersesy"
Io dia ny volana fahadimy amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny tapany faran'ny Jolay sy ny tapany voalohan'ny Aogositra amin'ny tetiandro Tandrefana.
Io dia akaikin'ny fisasahan'ny Martsa amin'ny tetiandro Tandrefana.
Io dia akaikin'ny fisasahan'ny Jolay amin'ny tetiandro Tandrefana.
Ny hoe "tanana" dia manambara ny fahefana na fifehezana izay ampiasain'Andriamanitra hahazoana vokatra tsara.
Ny fametrahana ny fony dia manambara ny fanapahan-kevitra hentitra na fanolorana ny tenany hanao zavatra. DH: "Nanolotra ny ainy mba hianatra i Ezra"
"nankatoa"
Ireo dia lalàna izay nalefan'Andriamanitra tamin'ny Israely tamin'ny alalan'i Mosesy.
Ny lahatsoratra manaraka ity fanambarana ity dia didy nomen'i Artaksersesy mpanjaka
"Ny Mpanjakan'ny mpanjaka" dia anarana entina, izay midika fa izy no mpanjaka lehibe indrindra, ilay mpanjaka izay nankatoavin'ireo mpanjaka hafa. DH: "Artaksersesy Mpanjaka Lehibe" na "Artaksersesy, ilay mpanjaka lehibe indrindra"
Tamin'ireo andro ireo dia nila alalana avy amin'ny mpanjaka mba hipetraka sy hanorina indray ao amin'ny faritra rava teo aloha amin'ny fandresena firenena ny vahoaka.
Ny teny hoe "aminao" dia manondro an'i Ezra.
Ity dia tohin'ny didy izay nomen'i Artaksersesy Mpanjaka an'i Ezra.
Ny teny hoe "Izaho" sy ny teny hoe "mpanjaka" dia manondro olona iray ihany. Mampahatsiahy ny vahoaka izay mandre ny taratasy izay izy no mpanoratra izany taratasy izany ny mpanjaka.
Izay tokony hanontanian'izy ireo ny momba izany dia afaka ambara mazava kokoa. DH: ''mba hanadihady ny fitrangan-javatra any Joda sy Jerosalema, mba hahafantarana raha mankatoa ny lalàn'i Yaveh izy ireo na tsia"
Ny any amin'izay hitondran'izy ireo izany dia afaka ambara mazava. DH: "Tsy maintsy mitondra ny volafotsy sy volamena any Jerosalema ianareo"
Ny hoe "an-kalalahana" dia midika hoe tsy noterena hanome vola izy ireo. Nanome izany izy ireo satria te hanome. DH: "ny volafotsy sy volamena izay nomen'izy ireo an-tsitra-po"
DH: "izay nomen'ny olona sy ireo mpisorona an-kalalahana"
Ity dia tohin'ny didy izay nomen'i Artaksersesy Mpanjaka an'i Ezra.
Ny andianteny hoe "maro be" dia midika hoe tena maro mihoatra ny ilaina mba hamitana ny asa. Tsy maintsy hampiasa ny volamena sy volafotsy mba hividianana ny rehetra nilain'izy ireo mba hanompoana an'Andriamanitra ao an-tempoly izy ireo. DH: "Mividiana omby, ondry lahy, zanak'ondry, fanatitra hohanina sy sotroina betsaka tokoa araka ny ilaina"
Ny andianteny hoe "ireo rahalahinao" dia manondro ny olona izay nanao izany asa izany niaraka tamin'i Ezra. DH: "ireo mpiara-miasa aminao" na "ireo namanao"
Ity dia tohin'ny didy izay nomen'i Artaksersesy Mpanjaka an'i Ezra.
DH: "ireo zavatra izay nomenay anao an-kalalahana"
Ny teny hoe "-ny" dia manondro an'Andriamanitra.
Ny anarana hoe "asa fanompoana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny hoe "manompo" na "mampiasa" na "miasa" na "manompo". DH: "mba ampiasaina ao an-tranon'Andriamanitrao" na "mba hanompoana ao an-tranon'Andriamanitrao"
toerana azo antoka izay hitahirizam-bola
Ity dia tohin'ny didy izay nomen'i Artaksersesy Mpanjaka an'i Ezra.
Io dia anaran'ny faritany izay andrefan'ny Renirano Eofrata. Izany dia ampitan'ny renirano avy any amin'ny tanànan'i Sosa. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 4:9.
"Omeo an'i Ezra avokoa ny zavatra rehetra angatahiny aminao"
Ny andianteny hoe "manontolo" eto dia manambara izay fatra rehetra ilaina hanaovana ny asa. DH: "tokony homena mihoatra izay ilainy"
"talenta volafotsy 100." Mety hamadika izany amin'ny fandrefesena amin'izao fotoana izao ianao. DH: "talenta volafotsy 3.400" na ''telo sy sasany taonina"
Mety hamadika izany amin'ny fandrefesena amin'izao fotoana izao ianao. DH: "vary 22.000 litatra" na "diloilo roa arivo litatra"
Mety hamadika izany amin'ny fandrefesena amin'izao fotoana izao ianao. DH: "diloilo 22.000 litatra" na "vary roa alina litatra"
Io dia manondro ny tempolin'Andriamanitra.
Mampiasa io fanontaniana io ny mpanjaka mba hilazana fa tsy tiany ho tonga amin'izy ireo ny hatezeran'Andriamanitra. Ny fampahalalana fanazavana dia hoe raha tsy nanome an'i Ezra izay nilainy izy ireo, dia hanasazy ny fanjakana Andriamanitra. DH: "Fa tsy tianay ho tonga amin'ny fanjakako sy ireo zanako lahy ny hatezeran'Andriamanitra" na "Fa raha tsy manao ireo zavatra ireo ianao, dia ho tonga amin'ny fanjakako sy ireo zanako lahy ny hatezeran'Andriamanitra."
Ny fahatezeran'Andriamanitra dia manambara ny fanasazian'Andriamanitra azy ireo. DH: "Fa nahoana no tokony hanasazy ny fanjakako sy ireo zanako lahy Andriamanitra" na "Fa raha tsy manao ireo zavatra ireo ianao, dia hanasazy ny fanjakako sy ireo zanako lahy Andriamanitra"
Ity dia tohin'ny didy izay nomen'i Artaksersesy Mpanjaka an'i Ezra.
"Lazainay azy ireo mba tsy hitaky na haba na hetra izy ireo"
Ity no faran'ny didy izay nomen'i Artaksersesy Mpanjaka an'i Ezra.
Ny anarana hoe "fahendrena" dia afaka ambara amin'ny teny hoe "hendry" na "am-pahendrena". DH: "Nataon'Andriamanitra ho hendry ianao, ka tsy maintsy manendry am-pahendrena mpitsara sy olona lalin-tsaina"
Ireo anarana dia afaka adika ho matoanteny. DH: "na amin'ny alalan'ny famonoana azy ireo, fandroahana azy ireo, fanagiazana ny fananan'izy ireo, na fanagadrana azy ireo" na "Afaka mamono azy ireo, mandroaka azy ireo, maka ireo zavatra izay azy ireo, na mandefa azy ireo any an-tranomaizina ianao"
Midera an'Andriamanitra noho izay nandidian'i Artaksersesy Mpanjaka i Ezra.
Ny fametrahana zavatra ao am-pon'ny mpanjaka dia manambara ny fanaovana azy hanana eritreritra sy faniriana azo antoka. DH: "nahatonga ny mpanjaka ho te hanome voninahitra ny tranon'i Yaveh tany Jerosalema"
Io dia manondro ny tempolin'i Yaveh
Ny hatanjahina dia manambara ny hoe nankaherezina. DH: "nankaherezina aho"
Eto ny tanan'i Yaveh dia manambara izay nataony mba hanampiana an'i Ezra. DH: "satria nanampy ahy i Yaveh"
1 Ireto avy ireo mpitarika ny fianakavian'ny razamben'izy ireo izay nandao an'i Babylona niaraka tamiko nandritry ny fanjakan'i Artaksersesy. 2 Amin'ny taranak'i Finehasa, dia i Gersona. Amin'ny taranak'i Itamara, dia i Daniela. Amin'ny taranak'i Davida, dia i Hatosy, 3 izay avy amin'ny taranak'i Sekania, izay avy amin'ny taranak'i Parosy; ary Zakaria, ary nisy lehilahy 150 voatanisa tao amin'ny rakitry ny tetiarany niaraka taminy. 4 Amin'ny taranak'i Pahata-moaba, dia Elihoenay zanaka lahin'i Zerahia ary niaraka taminy dia nisy roanjato lahy. 5 Amin'ny taranak'i Sekania, dia Beni-Jahaziela ary niaraka taminy nisy telonjato lahy. 6 Amin'ny taranak'i Adina, dia Ebeda zanaka lahin'i Jonatana ary niaraka taminy nisy dimampolo lahy voatanisa. 7 Amin'ny taranak'i Elama, dia Jesaia zanaka lahin'i Atalia ary niaraka taminy nisy fitopolo lahy voatanisa. 8 Amin'ny taranak'i Sefatia, dia Zebadia zanaka lahin'i Mikaela ary niaraka taminy nisy valopolo lahy voatanisa. 9 Amin'ny taranak'i Joaba, dia Obadia zanaka lahin'i Jehiela ary niaraka taminy nisy 218 lahy voatanisa. 10 Amin'ny taranak'i Selomita zanak'i Josifia dia nisy 160 lahy voatanisa niaraka taminy. 11 Amin'ny taranak'i Bebay, dia Zakaria zanaka lahin'i Bebay ary nisy valo amby roapolo lahy voatanisa niaraka taminy. 12 Amin'ny taranak'i Azgada, dia Johanana zanaka lahin'i Hakatana ary nisy 110 lahy voatanisa niaraka taminy. Ireo izay avy amin'ny taranak'i Adonikama no tonga taty aoriana. 13 Ireto avy ny anaran'izy ireo: Elifeleta, Jeiela, Semaia, ary niaraka tamin'izy ireo nisy enimpolo lahy. 14 Amin'ny taranak'i Bigvay, dia Otahy sy Zaboda ary nisy fitopolo lahy voatanisa niaraka taminy. 15 Nangoniko ireo mpandeha tao amin'ny lakan-drano izay mankany Ahava, ary nitoby hateloana teo izahay. Nanadihady ny vahoaka sy ireo mpisorona aho, nefa tsy nahita taranak'i Levy tao mihitsy. 16 Dia nampiantso an'i Eliezera, Ariela, Semaia, Elnatana, Jariba, sy Elnatana sy Natana, Zakaria, ary Mesolama—izay mpitarika—ary an'i Joariba sy Elnatana—izay mpampianatra aho. 17 Manaraka izany dia nirahiko ho any amin'Ido, mpitarika any Kasifia izy ireo. Nambarako azy ireo izay ho lazaina amin'Ido sy ireo havany, ireo mpanompon'ny tempoly mipetraka any Kasifia, dia ny, mba handefasana mpanompo ho an'ny tranon'Andriamanitra ho aty aminay. 18 Dia nandefa lehilahy iray antsoina hoe Serebia, lehilahy malina taminay tamin'ny tanana tsaran'Andriamanitray izy ireo. Izy dia taranak'i Maly zanaka lahin'i Levy zanak'Israely. 19 Tonga niaraka tamin'ny zanaka lahy sy rahalahy valo ambin'ny folo izy. Tonga niaraka taminy i Hasabia. Nisy an'i Jesaia, iray amin'ireo zanaka lahin'i Merary, niaraka tamin'ireo rahalahiny sy ny zanaka lahin'izy ireo ihany koa izy ireo, roapolo lahy ny fitambarany. 20 Amin'ireo izay notendrena hanompo ao an-tempoly, izay nomen'i Davida sy ireo manam-boninahiny mba hanompo an'ireo Levita dia: 220, samy notendrena tamin'ny anarany avy. 21 Dia nanambara fifadian-kanina tao amin'ny Lakan-drano Ahava aho mba hanetry ny tenanay eo anatrehan'Andriamanitra, mba hitady lala-mahitsy avy Aminy ho anay, ny zaza madinikay, ary ireo fanananay rehetra. 22 Menatra ny hangataka tafika na mpitaingin-tsoavaly tamin'ny mpanjaka mba hiaro anay amin'ireo fahavalo teny an-dalàna aho, satria efa niteny tamin'ny mpanjaka izahay hoe: 'Ny tanan'Andriamanitray dia eo amin'ny rehetra izay mitady Azy amin'ny tsara, fa ny heriny sy ny hatezerany dia eo amin'ny rehetra izay manadino Azy.' 23 Koa nifady hanina sy nitady an'Andriamanitra momba izany izahay, ary niangavy taminy. 24 Manaraka izany dia nifantina lehilahy roa ambin'ny folo tamin'ireo manam-boninahitry ny fisoronana aho: Serebia, Hasabia, ary folo tamin'ny rahalahin'izy ireo. 25 Nandanja volafotsy, volamena, ary zavatra sy fanatitra ho an'ny tranon'Andriamanitra izay natolotry ny mpanjaka, ireo mpanolo-tsainy sy manam-boninahiny, sy ireo izay natolotry ny Israely rehetra maimaim-poana ho azy ireo aho. 26 Dia nandanja talenta volafotsy 650, talenta zavatra volafotsy zato, talenta volamena zato, 27 lovia volamena roapolo izay nisanda darika arivo, ary fanaka varahina roa nangirana tsara izay sarobidy toy ny volamena teo am-pelantanan'izy ireo aho. 28 Dia hoy aho tamin'izy ireo hoe: "Natokana ho an'i Yaveh ianareo, ary ireto zavatra ireto ihany koa, sy ny volafotsy ary ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an'i Yaveh, Andriamanitry ny razambenareo. 29 Ambeno ireo ary tandremo mandra-pandanjanareo izany eo anatrehan'ny manam-boninahitry ny fisoronana, Levita, ary ireo mpitarika ny fokon-drazan'Israely any Jerosalema ao amin'ireo efitry ny tranon' Andriamanitra." 30 Nanaiky ny volafotsy, volamena, sy ireo zavatra voalanja ireo mpisorona sy ireo Levita mba hitondrana izany any Jerosalema, ao an-tranon'ny Andriamanitray. 31 Nivoaka avy tao amin'ny Lakan-dranon'i Ahava izahay tamin'ny andro faharoa ambin'ny folon'ny volana voalohany mba handeha ho any Jerosalema. Teo aminay ny tanan'ny Andriamanitray; niaro anay tamin'ny tanan'ny fahavalo sy ireo olona izay naniry ny hanafika anay tampoka teny an-dalana Izy. 32 Dia niditra tany Jerosalema izahay ary nitoetra tao nandritry ny hateloana. 33 Ary tamin'ny andro fahefatra dia nolanjaina tao an-tranon'ny Andriamanitray teo an-tanan'i Meremota zanaka lahin'i Oria mpisorona ny volafotsy, volamena, sy ireo zavatra, ary niaraka taminy Eleazara zanaka lahin'i Finehasa, Jozabada zanaka lahin'i Jesoa, ary Noadia zanaka lahin'i Binoy ilay Levita. 34 Voafaritra ny isa sy ny lanjan'ny zavatra rehetra. Nosoratana avokoa ny lanja rehetra tamin'izany fotoana izany. 35 Ireo olona izay niverina avy amin'ny fahababoana, ny olona voasesy tany, dia nanolotra fanatitra dorana ho an'ilay Andriamanitr'Israely: omby roa ambin'ny folo ho an'Israely rehetra, ondry lahy enina amby sivifolo, zanak'ondry fito amby fitopolo, ary osy lahy roa ambin'ny folo ho fanatitra nohon'ny fahotana. Fanatitra dorana ho an'i Yaveh ireo rehetra ireo. 36 Dia nomen'izy ireo ho an'ireo manam-boninahitry ny mpanjaka ambony sy ireo governora tany amin'ny Faritra Andafin'ny Ony ny lalàn'ny mpanjaka, ary nanampy ny vahoaka sy ny tranon'Andriamanitra izy ireo.
Misy fiovana hita tokoa amin'ny fanoratana manomboka eto. Ny toko 1-7 dia nosoratana toy ny hoe nanoratra momba an'i Ezra ny mpanoratra. Ny toko faha-8 dia nosoratana toy ny hoe Ezra no mpanoratra.
Ny andininy 2-14 dia lisitr'ireo mpitarika sy ny razamben'izy ireo. Lehilahy avokoa izy rehetra ireo.
Io no zavatra voalohany ao amin'ny lisitra. DH: "Ny mpitarika ireo razamben'i Finehasa dia i Gersoma" na "Gersoma no mpitarika ireo taranak'i Finehasa"
Io no zavatra faharoa ao amin'ny lisitra. DH: "Ny mpitarika ireo razamben'i Itamara dia i Daniela" na "Daniela no mpitarika ireo taranak'i Itamara"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:3 ihany io anaran-dehilahy io.
Io no zavatra fahatelo ao amin'ny lisitra. DH: "Ny mpitarika ireo razamben'i Davida dia i Hatosy izay...Parosy; ary Zakaria" na "Ireo mpitarika ireo taranak'i Davida dia i Hatosy sy Zakaria. Hatosy izay avy amin'ny...Parosy"
Io dia afaka soratana ho fehezanteny misaraka aorian'ny hoe "Zakaria". DH: "Hatosy dia taranak'i Sekania, izay taranak'i Parosy"
"Nisy lehilahy 150 voatanisa tao amin'ny rakitry ny tetiarany niaraka tamin'i Zakaria"
Mbola mitohy ny lisitr'ireo anaran-dehilahy.
Ity dia zavatra manaraka ao amin'ny lisitra. DH: "Ny mpitarika ireo taranak'i Pahata-moaba dia i Elihoenay zanaka lahin'i Zerahia" na "Elihoenay zanaka lahin'i Zerahia no mpitarika ireo taranak'i Pahata-moaba"
"ary niaraka tamin'i Elihoenay dia nisy roanjato lahy"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 7:1 io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 8:1 io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 2:15 io anaran-dehilahy io.
"200 ... 300 ... 50 ... 70"
Mbola mitohy ny lisitr'ireo anaran-dehilahy.
Ity dia zavatra manaraka ao amin'ny lisitra. DH: "Ny mpitarika ireo taranak'i Sefatia dia i Zebadia zanaka lahin'i Mikaela" na "Zebadia zanaka lahin'i Mikaela no mpitarika ireo taranak'i Sefatia"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 2:3 io anaran-dehilahy io.
Io dia anaran-dehilahy.
"ary niaraka tamin'i Zebadia nisy valopolo lahy voatanisa"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 2:11 io anaran-dehilahy io.
"80 ... 28"
Ity no faran'ny lisitr'ireo anaran-dehilahy.
Io no zavatra manaraka ao amin'ny lisitra. DH: "Ny mpitarika ireo taranak'i Azgada dia i Johanana zanaka lahin'i Hakatana" na "Johanana zanaka lahin'i Hakatana no mpitarika ireo taranak'i Azgada"
"ary nisy 110 lahy voatanisa niaraka tamin'i Johanana"
Ny teny hoe "ireo" dia manondro an'ireo mpitarika. DH: "Ireo mpitarika ny taranak'i Adonikama"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:11 io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:11 io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:1 io anaran-dehilahy io.
"60 ... 70"
Ny hoe "-ko" ao amin'ny toko faha-8 dia manondro an'i Ezra. Izy no mpanoratra.
Ny andininy faha-16 dia misy ny lisitr'ireo anaran-dehilahy.
Ireo mety ho heviny dia hoe ny "lakan-drano" dia 1) lalan-drano izay namboarin'ny olona na 2) renirano tsotra. Izany dia afaka adika amin'ny fomba amin'ny ankapobeny kokoa. DH: "ny lalan-drano izay mikoriana mankany Ahava"
Io dia anaran-toerana.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 8:12 io anaran-dehilahy io.
Toa nisy telo lahy izay nitovy anarana teo.
Io dia anaran-dehilahy.
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo mpitarika sivy sy ireo mpampianatra roa izay nosoratana tao amin'ny 8:15 ny momba azy. DH: "Manaraka izany dia nandefa ireo lehilahy ireo tany amin'i Ido aho"
Io dia anaran-toerana.
Ny teny hoe "dia ny" dia mampiditra izay nolazainy mba ho tenenin'izy ireo. DH: "Nolazaiko izy ireo mba hiteny amin'i Ido...mba haniraka mpanompo aty aminay ho an'ny tranon'Andriamanitra"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ny "tanana tsaran'Andriamanitra" dia manambara ny hatsaram-panahiny tamin'ny namatsiany azy ireo. DH: "Satria tsara fanahy taminay Andriamanitra, dia nandefa lehilahy aty aminay izy ireo"
Io dia lehilahin'ny fahazavan-tsaina sy fahendrena.
Eto ny hoe "Israely" dia anaran-dehilahy. Io dia anarana nomen'Andriamanitra an'i Jakoba.
18, 20.
Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:4 io anaran-dehilahy io.
olona izay manana fahefana miavaka ao anatin'ny rafitry ny governemanta
Io dia anarana lakan-drano izay mikoriana ao amin'ny toerana antsoina hoe Ahava. Jereo ny nandikanao ny hoe Ahava sy ny lakan-drano tao amin'ny 8:15.
Ny teny hoe "mitady" dia manambara ny fangatahana amin'Andriamanitra mba hanaovany zavatra ho azy ireo. Eto ny hoe "lala-mahitsy" dia manambara ny fiarovana raha nandeha izy ireo. DH: "mba hangataka amin'Andriamanitra mba hanome fiarovana anay, ireo zaza madinikay, ary ireo fanananay rehetra raha mandeha izahay" na "mba hangataka amin'Andriamanitra ny mba hiarovany anay, ireo zaza madinikay, ary ireo fanananay rehetra ho raha mandeha izahay"
Ny tanan'Andriamanitra eo amin'ny olona dia sarinteny hilazana ny fanampian'Andriamanitra ny olona. Ny fitadiavana an'Andriamanitra dia sarinteny hilazana ny fanompoana azy. DH: "Manampy ny rehetra izay manompo Azy Andriamanitra"
Ny herin'Andriamanitra sy ny hatezerany eo amin'ny olona dia sarinteny hilazana ny fanasaziany ny olona. Ny fanadinoana an'Andriamanitra dia sarinteny hilazana ny fandavana ny hanompo Azy. DH: "nefa manasazy ny rehetra izay mandà ny hanompo Azy Izy"
Eto ny fitadiavana an'Andriamanitra dia sarinteny hilazana ny fangatahana amin'Andriamanitra ny mba hanaovany zavatra ho azy ireo. DH: "Koa dia nifady hanina sy nangataka tamin'Andriamanitra ny mba hanampiany anay izahay"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 8:18 io anaran-dehilahy io.
"talenta vita amin'ny volafotsy 650". Mety hamadika izany amin'ny fandrefesana amin'izao fotoana izao ianao. DH: "volafotsy 22.000 kilao" na "volafotsy roa arivo sy roa alina kilao"
Mety hamadika izany amin'ny fandrefesana amin'izao fotoana izao ianao. DH: "zavatra volafotsy 3.400 kilao"
Mety hamadika izany amin'ny fandrefesana amin'izao fotoana izao ianao. DH: "volamena 3.400 kilao"
Ny "darika" dia vola volamena kely izay nampiasain'ny olona tao amin'ny Fanjakan'ny Persiana. Afaka mandika izany amin'ny filazana ny isam-bola na ny sandany ianao. DH: "vola volamena Persiana arivo" na "volamena valo kilao sy sasany"
Ny varahina dia fifangaroan'ny varahina amin'ny vy hafa. Mafy noho ny varahina tsy mifangaro izany.
"Dia hoy aho tamin'ireo manam-boninahitry ny fisoronana roa ambin'ny folo"
Rehefa tonga tany Jerosalema izy ireo, dia nandanja ny volafotsy, volamena, ary ny varahina mba hanehoana fa tsy naka tamin'izany ho azy izy ireo.
Araka ny lalàn'i Mosesy, ny fokon'i Levy dia nanana asa ny hikarakara ny tempoly, izay ao amin''izany, ary ireo fanatitra.
"Niala teo amin'ny Lakan-drano Ahava izahay" na "Nanomboka nandeha niala teo amin'ny Lakan-drano Ahava izahay"
Io dia anarana lakan-drano izay mikoriana any amin'ny toerana antsoina hoe Ahava. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 8:21.
Io dia volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro faharoa ambin'ny folo dia akaikin'ny faran'ny Martsa amin'ny tetiandro Tandrefana.
Ny tanan'Andriamanitra eo amin'ny olona dia sarinteny hilazana ny fanampian'Andriamanitra ny olona. DH: "Nanampy anay Andriamanitra"
Ny tanana dia manambara izay mety ataon'ireo olona ireo. Io dia manondro manokana ireo izay nanafika ny vondrona izay nandeha. DH: "niaro anay tamin'ny fanafihan'ny fahavalo sy ireo izay te hanafika tampoka anay teny an-dalana Izy" na "Tsy navelany hanafika anay ny fahavalo ary tsy navelany hanafika tampoka anay teny an-dalàna ireo mpandroba"
Io dia manondro ireo jiolahy sy ireo mpandroba izay te hanafika azy ireo noho ny fananan'izy ireo.
DH: "nandanja ny volafotsy, volamena, sy ireo zavatra ireo manam-boninahitry ny fisoronana roa ambin'ny folo"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 2:3 io anaran-dehilahy io.
Ireo andianteny roa ireo dia manondro ny vahoaka Jiosy izay nipetraka ho voasesy tany tao Babylona sy izay niala tao Babylona ka niverina tany Jerosalema any Joda. DH: "Ireo olona izay niverina tany Jerosalema izay avy amin'ny fahababoana tany Babylona, dia ny vahoaka voasesy tany izany"
"12...96 ... 77 ... 12"
Ireo dia manamboninahitra Babyloniana izay mitantana ny olona andrefan'ny Renirano Eofrata, anisan'izany ny olona izay monina any Joda.
Io dia anaran'ny faritany izay andrefan'ny Renirano Eofrata. Izany dia ampitan'ny renirano avy any amin'ny tanànan'i Sosa. Adikao toy ny tao amin'ny 4:9.
ny tempoly
1 Rehefa vita ireo zavatra ireo, dia nanatona ahy ireo manam-pahefana ary nanao hoe: "Ny vahoakan'Israely, ireo mpisorona, ary ireo Levita dia tsy nanasaraka ny tenan'izy ireo tamin'ireo olona avy any an-tany hafa sy ny fahavetavetany: dia ireo Kananita, Hitita, Perizita, Jebosita, Amonita, Moabita, Egyptiana ary Amorita. 2 Fa nalain'izy ireo ny sasany tamin'ireo zanany vavy sy zanany lahy, ary nafangaron'izy ireo tamin'ny vahiny ny vahoaka masina, ary ireo manam-pahefana sy ireo mpitarika no voalohany tamin'izany tsy fahatokiana izany." 3 Rehefa nandre izany aho, dia nandrovitra ny fitafiako sy ny akanjo lavako ka nanongotra ny volon-dohako sy ny volom-bavako, ary nipetraka, torotoro. 4 Ireo rehetra izay nangorohoro tamin'ny tenin'ny Andriamanitr'Israely mahakasika izany tsy fahatokiana izany dia niangona teo amiko raha iny nipetraka am-pahamenarana hatramin'ny fanatitra hariva iny aho. 5 Fa tamin'ny fanatitra hariva dia niarina avy tamin'ny toeran'ny fahafaham-barakako tamin'ny fitafiako sy ny akanjo lavako rovitra aho, ka nandohalika ary namelatra ny tanako ho amin'i Yaveh Andriamanitro. 6 Hoy aho hoe: "Andriamanitro o, menatra sy mangahiahy ny hanandratra ny tavako eo aminao aho, fa miakatra mihoatry ny lohanay ny helokay, ary ny fahamelohanay mihombo hatrany an-danitra. 7 Nanomboka tamin'ny andron'ny razambenay mandrak'ankehitriny dia tao anaty fahamelohana lehibe izahay. Tao anatin'ny helokay izahay, ireo mpanjakanay, sy ireo mpisoronay no natolotra ho eo an-tanan'ireo mpanjakan'ity izao tontolo izao ity, ho eo amin'ny sabatra, ho eo amin'ny fahababoana, ho eo amin'ny babo sy ny tarehy mangahiahy, tahaka anay anio. 8 Ankehitriny anefa tao anaty fotoana fohy, dia tonga taminay ny indrafo avy amin'i Yaveh Andriamanitray mba hamela sisa velona eo aminay ka hanome anay fifikirana eo amin'ny fitoerany masina. An'ny Andriamanitray ny manazava ny masonay sy manome fiatoana kely amin'ny fanandevozana anay. 9 Fa andevo izahay, nefa tsy nanadino anay ny Andriamanitray fa nanitatra ny fanekena mahatoky taminay. Nanao izany teo imason'ny mpanjakan'i Persia Izy mba hanome hery vao ho anay, mba hafahanay manorina ny tranon'ny Andriamanitray indray ka hanangana ny faharavany. Nanao izany Izy mba hanomezany manda fiarovana ho anay ao Joda sy Jerosalema. 10 Fa ankehitriny kosa, ry Andriamanitray, inona no azonay ambara aorian'izao? Nanadino ireo didinao izahay, 11 dia ny didy izay nomenao ireo mpaminany mpanomponao, rehefa niteny Ianao hoe: "Ity tany izay hidiranareo ho fanananareo ity dia tany maloto. Voaloton'ny olon'ity tany ity tamin'ny fahavetavetan'izy ireo izany. Nofenoin'izy ireo ny fahalotoan'izy ireo hatrany amin'ny ilany iray ka hatrany amin'ny hafa izany. 12 Ankehitriny ary, aza omena ny zanak'izy ireo lahy ny zanakareo vavy; aza maka ny zanak'izy ireo vavy ho an'ny zanakareo lahy, ary aza mitady fihavanana sy fanampiana amin'izy ireo, mba hatanjaka ianareo ary hihinana ny tsara avy amin'ny tany, ka hahatonga ny zanakareo ho tompon'izany amin'ny fotoana rehetra." 13 Kanefa taorian'ny zavatra rehetra izay nanjo anay nohon'ny asa ratsinay sy ny fahamelohanay lehibe—satria Ianao, Andriamanitray, dia nihazona izay mendrika ny helokay ka namela anay ho velona— 14 tokony handika ireo didinao indray ve izahay ka hifanambady amin'ireo vahoaka vetaveta ireo? Tsy ho tezitra ve Ianao ka handringana anay mba tsy hisy ho tavela, tsy hisy anankiray ho tafandositra? 15 Ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, marina Ianao, fa vitsy izahay no sisa velona amin'izao anio izao. Indro! Indreto izahay eto anatrehanao amin'ny fahamelohanay, fa tsy misy afaka hijoro eo anatrehanao nohon'ny amin'izany.
nanambady olona avy amin'ny tany hafa ary nanaraka ny finoan'izy ireo
Rehefa ren'i Ezra fa Israelita maro no nanambady vehivavy vahiny ary nanompo ny andriamanitr'izy ireo
Nasehon'i Ezra tamin'ny olon-drehetra fa tena tsy faly izy fa nanao ireo zavatra izay nanafintohina an'Andriamanitra ny vahoaka.
sorona izay natolotr'ireo mpisorona manodidina ny fotoana hilentehan'ny masoandro
fomba hafa hilazana fa nipetraka tamim-pahamenarana" izy (9:3). "izay teo amin'ny nipetrahako tamin'ny tany mba hanehoana fa tena menatra aho"
"nandohalika ary naninjitra ny sandriko ary ny tanako nisokatra nankany amin'ny lanitra"
Ireo teny ireo dia fomba roa hilazana ny heloka sy ny fahamelohana toy ny hoe zavatra ara-batana izay afaka mihombo ho lehibe noho ny olona. Ny anarana hoe "heloka" sy "fahamelohana" dia afaka ambara amin'ny anarana na tambinteny. DH: "efa nanao asa ratsy izahay ary tena meloka"
"ny fotoana niveloman'ireo razambenay"
Ny anarana hoe "fahamelohana" sy "heloka" dia afaka adika ho tambinteny sy matoanteny. DH: "tena meloka...Noho ny zavatra ratsy nataonay"
DH: "nomenao izahay...teo an-tanan'ireo mpanjaka"
Ny mpanoratra dia miresaka ny famelan'Andriamanitra ireo mpanjaka hanao izay tiany atao amin'ireo Jiosy toy ny hoe nametraka zavatra kely teo an-tanan'ireo mpanjakan'izao tontolo izao ity Andriamanitra.
Ny sabatra dia sarinteny hilazana ny famonoan'ny olona olon-kafa. Namela ny olona hamono ireo Jiosy Andriamanitra.
Io anarana io dia afaka adika ho matoanteny. Namela ny olona hisambotra ireo Jiosy sy haka azy ireo Andriamanitra.
Io anarana io dia afaka adika ho matoanteny. Namela ny olona haka ny fananan'ireo Jiosy Andriamanitra.
Ny tarehy dia sarinteny hilazana ny henatra izay tsapan'ny olona ary ny hafa izay mahita izany tarehin'olona izany dia mahafantatra izay tsapany.
Ny fanapahan-kevitr'Andriamanitra ny ho mpamindra fo dia resahina toy ny hoe olona izay afaka mihetsika ny indrafo. DH: "Efa nanapa-kevitra ny ho tsara fanahy aminay ny Andriamanitray ary"
Ny fanekena mahatoky dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka hazonin'ny olona eo an-tanany ary havotsotra mba halain'ny olon-kafa. DH: "efa nanome ho mahatoky aminay ary hitana ny fanekeny"
Ny mpanjaka dia tsy afaka mahita ny tempoly ara-bakiteny, fa tsy fantany ny momba izay mitranga any Jerosalema. Eto ny hoe "imaso" dia sarinteny hilazana izay fantatry ny olona iray. DH: "mba hahafantaran'ny mpanjakan'i Persia ny momba izany"
ny tempoly
Ny manda izay miaro ny olona dia sarinteny hilazana ny fiarovan'i Yaveh ny vahoakany. DH: "afaka miaro anay"
"mandra-pahatapitry ny taona"
Ny anarana hoe "asa" sy "heloka" dia afaka adika ho anarana sy tambinteny. DH: "noho ireo zavatra ratsy nataontsika ary satria tena meloka isika"
"Rariny raha hamono anay rehetra Ianao, nefa tsy nanafay anay Ianao fa namela ny sasany taminay ho velona kosa"
DH: "ho mety tokoa raha mandika ireo didinao ny sasany aminay ka hanao...vahoaka."
DH: "Matahotra aho fa sao ho tezitra Ianao...ho tafandositra."
"Henoy izay holazaiko"
"Hitanao fa meloka avokoa izahay rehetra"
"tsy heverinao fa tsy manan-tsiny ny olona rehetra"
1 Raha mbola nivavaka sy niaiky heloka i Ezra, dia nitomany izy ary niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra. Lehilahy Israelita, zaza aman-behivavy maro be no nitangorona teo aminy, fa nitomany mafy dia mafy ireo olona. 2 Hoy i Sekania zanaka lahin'i Jehiela taranak'i Elama tamin'i Ezra hoe: "Efa tsy nahatoky tamin'Andriamanintray izahay ary nanambady ireo vehivavy hafa firenena avy tamin'ny vahoakan'ireo tany hafa. Kanefa na dia eo aza izany, dia mbola misy fanantenana ho an'Israely. 3 Koa aoka izahay hanao fifanekena amin'ny Andriamanintray mba handroaka ireo vehivavy rehetra sy ireo zanany araka ireo toromariky ny Tompo sy ny toromarik'ireo izay nihorohoro tamin'ireo didin'ny Andriamanintsika, ary aoka izany ho tanteraka araka ny lalàna. 4 Mitsangàna, fa izany zavatra izany dia ho tanterahinao, ary izahay dia miaraka aminao. Mahereza ary ataovy izany." 5 Koa nitsangana i Ezra ary nasainy nampanantena ireo manam-boninahitry ny fisoronana, ireo Levita, ary ny Israely rehetra mba hanao toy izany. Koa dia nanao fianianana manetriketrika izy rehetra. 6 Avy eo nitsangana avy teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra i Ezra ary nandeha tao amin'ny efitr'i Johanana zanaka lahin'i Eliasiba. Tsy mba nihinana mofo na nisotro rano izy, satria nisaona ny hakelin'ny finoan'ireo izay efa tao amin'ny fahababoana izy. 7 Koa nandefa teny tany Joda sy Jerosalema ho an'ireo olona niverina avy tany an-tsesitany izy ireo mba hivory ao Jerosalema. 8 Izay rehetra tsy tonga tao anatin'ny telo andro araka ireo toromarika avy amin'ireo manam-pahefana sy loholona dia nesorina tamin'izy ireo ny fananan'izy ireo rehetra ary nalàna tsy ho ao amin'ny fikambanam-ben'ireo izay niverina avy any an-tsesitany. 9 Koa nivory tao Jerosalema nandritry ny telo andro ny lehilahy avy any Joda sy Benjamina rehetra. Izany dia tamin'ny volana fahasivy ary tamin'ny andro faharoapolon'ny volana. Nijoro teo amin'ny kianja malalaka nanoloana ny tranon'Andriamanitra ny olona rehetra ary nangovitra noho ilay teny sy ny orana. 10 Nitsangana i Ezra mpisorona ary niteny hoe: "Efa namadika ianareo. Nanambady ireo vehivavy hafa firenena ianareo ary nampitombo ny helok'Israely. 11 Fa ankehitriny dia miderà an'i Yaveh, Andriamanitr'ireo razambenareo, ary ataovy ny sitrapony. Misaraha amin'ny olona tompon-tany sy amin'ireo vehivavy hafa firenena." 12 Namaly tamin'ny feo avo ny fivondronana rehetra hoe: "Hanao araka izay nolazainao izahay. 13 Na izany aza, maro ireo olona, ary vanim-potoanan'ny orana izao. Tsy manana hery hijoro ety ivelany izahay, ary izany dia tsy asa iray na roa andro fotsiny, satria efa nanao heloka lehibe tamin'izany raharaha izany izahay. 14 Koa aoka ny mpanapakay hisolo-tena ny fiangonana rehetra. Aoka izay namela ireo vehivavy avy amin'ny firenena hafa hipetraka amin'ny tanànantsika ho tonga amin'ny fotoana izay ho tondroina miaraka amin'ireo loholon'ny tanàna sy ireo mpitsara ao amin'ny tanàna mandra-pialan'ny firehetan'ny hatezeran'ny Andriamanitsika amintsika." 15 Nanohitra izany i Jonatana zanaka lahin'i Asahela sy Jahaza zanaka lahin'i Tikva, ary nanohana azy ireo i Mesolama sy Sabetahy Levita. 16 Koa nanao izany ireo olona niverina avy tany an-tsesitany. Ezra mpisorona dia nifidy ireo lehilahy, ireo mpitarika tao amin'ireo foko sy fianakavian'ireo razamben'izy ireo—tamin'ny anaran'izy rehetra, ary nandinika ny raharaha tamin'ny andro voalohany tamin'ny fahafolon'ny volana izy ireo. 17 Tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany dia nahavita namantatra izay lehilahy niara-nipetraka tamin'ny vehivavy hafa firenena izy ireo. 18 Nisy tamin'ireo taranak'ireo mpisorona no nanambady vehivavy hafa firenena. Tamin'ny taranak'i Jesoa zanaka lahin'i Jozadaka sy ireo rahalahiny dia nisy an'i Mahaseia, Eliezera, Jariba, sy Gedalia. 19 Koa dia tapa-kevitra ny handroaka ireo vadiny izy ireo. Satria meloka izy ireo, dia nanolotra ondry lahy tamin'ireo ondriny izy ireo nohon'ny helok'izy ireo. 20 Tamin'ireo taranak'Imera dia: i Hanany sy Zebadia. 21 Tamin'ireo taranak'i Harima: i Mahaseia, Elia, Semaia, Jehiela, ary Ozia. 22 Tamin'ireo taranak'i Pasora: i Elioenay, Mahaseia, Ismaela, Netanela, Jozabada, ary Elasa. 23 Tamin'ireo Levita dia: i Jozabada, Simey, Kelaia—izay, Kelita, Petahia, Joda. 24 Tamin'ireo mpihira: i Eliasiba. Tamin'ireo mpiandry vavahady dia: i Saloma, Talema, ary Ory. 25 Tamin'ireo Israelita sisa—tamin'ireo taranak'i Parosa dia: i Ramia, Jizia, Malkia, Miamina, Eleazara, Malkia, ary Benaia. [1]26 Tamin'ireo taranak'i Elama dia: i Matania, Zakaria, Jehiela, Abdia, Jeremota, ary i Elia. 27 Tamin'ireo taranak'i Zato dia: i Elioenay, Eliasiba, Matania, Jeremota, Zabada, ary Aziza. 28 Tamin'ireo taranak'i Bebay dia: i Johanana, Hanania, Zabay, ary Atlay. 29 Tamin'ireo taranak'i Bany dia: i Mesolama, Maloka, Adaia, Jasoba, ary Seala Jeremota. [2]30 Tamin'ny taranak'i Pahata Moaba dia: i Adna, Kelala, Benaia, Mahaseia, Matania, Bezaiela, Binoy, ary Manase. 31 Tamin'ny taranak'i Harima dia: i Eliezera, Jisia, Malkia, Semaia, Simeona, 32 Benjamina, Maloka, ary Semaria. 33 Tamin'ny taranak'i Hasoma dia: i Matenay, Matata, Zabada, Elifeleta, Jeremay, Manase, ary Simey. 34 Tamin'ny taranak'i Bany dia: i Maday, Amrama, Oela, 35 Benaia, Bedeia, Keloho, 36 Vania, Meremota, Eliasiba, 37 Matania, Matenay, ary Jasao. 38 Tamin'ny taranak'i Binoy dia: i Simey, [3]39 Selemia, Natana, Adaia, 40 Maknadebay, Sasay, Saray, [4]41 Azarela, Selemia, Semaria, 42 Saloma, Amaria, ary i Josefa. 43 Tamin'ny taranak'i Nebo dia: i Jeiela, Matitia, Zabada, Zebina, Ido, Joela, ary Benaia. 44 Ireo rehetra ireo dia nanambady vehivavy hafa firenena ary nanan-janaka tamin'ny sasany tamin'izy ireo. [5]
Resahin'i Ezra toy ny hoe olon-kafa ny tenany.
niankohoka faingana amin'ny tany rehefa teo am-pitsanganana
teo anoloan'ny tempoly
Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:4.
Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:8.
Io dia natao tahaka ny fiaiken'ny daholobe, fa tsy tahaka ny fanambarana am-pireharehana.
"hanampy anao izahay"
Ireo dia anaran-dehilahy.
"Naka ny fananana rehetra amin'ny olona izay tsy tonga ireo manam-pahefana...ary nanala azy ireo tsy ho ao amin'ny" na "Naka ny fananana rehetra amin'ny olona izay tsy tonga ny olon'i Joda sy Jerosalema...ary nanala azy ireo tsy ho ao amin'ny"
3 andro
"telo andro taty aoriana"
Io dia ny volana fahasivy amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro faharoapolo dia akaikin'ny fisasahan'ny Desambra amin'ny tetiandro Tandrefana.
kianja lehibe midadasika eo anoloan'ny tempoly
DH: "nanampy ireo fahavalon'ny vahoaka"
"ary nihevitra antsika ho meloka noho ny fahotana ratsy kokoa noho ny taloha Andriamanitra ankehitriny"
mialà amin'ny, aoka tsy hitovy amin'ny
DH: "hila fotoana lava hanaovana ireo asa rehetra ireo izahay"
DH: "ny fotoana izay hanendrena ireo loholon'ny tanàna sy ireo mpitsaran'ny tanàna"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo mety ho heviny dia 1) Tsy tian'ireo lehilahy ireo hanadihady ireo fandikan-dalàna ireo manam-boninahitry ny tanàna na 2) Tsy tian'izy ireo hisy olona hanadihady ireo fanambadian'ny olona.
Nanadihady izay nanambady vehivavy tsy Jiosy ny olona.
Io dia volana fahafolo amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro voalohany dia akaikin'ny fisasahan'ny Desambra amin'ny tetiandro Tandrefana.
Io dia akaikin'ny fisasahan'ny Martsa amin'ny tetiandro Tandrefana.
Adikao tahaka ny tao amin'ny 2:1.
Adikao tahaka ny tao amin'ny 3:1.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:15.
Mbola manohy ny lisitry ny lehilahy izay nanambady vehivavy tsy Jiosy i Ezra.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:8.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 2:36.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 2:31.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:18.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:12.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:33.
Mbola manohy ny lisitry ny lehilahy izay nanambady vehivavy tsy Jiosy i Ezra.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:33.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:5.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 2:40.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 2:3.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 7:1.
Mbola manohy ny lisitry ny lehilahy izay nanambady vehivavy tsy Jiosy i Ezra.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 2:7.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:8.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:20.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:5.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 2:11.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:5.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:15.
Mbola manohy ny lisitry ny lehilahy izay nanambady vehivavy tsy Jiosy i Ezra.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:4.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:23.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:18.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:26.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:33.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 2:31.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:15.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:26.
Mbola manohy ny lisitry ny lehilahy izay nanambady vehivavy tsy Jiosy i Ezra.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 2:19.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:26.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:12.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:30.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:23.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 2:7
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:33.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:5.
Mbola manohy ny lisitry ny lehilahy izay nanambady vehivavy tsy Jiosy i Ezra.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:26.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:33.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:33.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:23.
Mamarana ny lisitry ny lehilahy izay nanambady vehivavy tsy Jiosy i Ezra.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:37.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:30.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 2:40.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 7:1.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 2:27.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 8:12.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:26.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 5:1.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao tahaka ny tao amin'ny 10:23.
Ireo dia ny lehilahy rehetra anatin'ny lisitra nanomboka tao amin'ny 10:20.
1 Ny tenin'i Nehemia zanak'i Hakalia: Ary tamin'ny volana Kisleo, tamin'ny taona faharoapolo, raha mbola tao amin'ny fiarovana mafin'i Sosa aho, 2 dia nisy iray tamin'ireo rahalahiko, i Hanany, no tonga niaraka tamina olona maromaro avy any Joda, ary nanontany azy ireo momba ireo Jiosy izay tafandositra, sy ireo Jiosy sisa tavela tany, ary momba an'i Jerosalema aho. 3 Hoy izy ireo tamiko hoe: "Ireo izay tafavoaka velona tamin'ny fahababoana any amin'ny faritany dia anaty fangorohoroana sy fahafaham-baraka lehibe satria vaky nirodana ny mandan'i Jerosalema, ary voadoro tamin'ny afo ny vavahadiny." 4 Vantany vao nandre ireo teny ireo aho, dia nipetraka ka nitomany, ary nalahelo sy nifady hanina ary nivavaka tamin'ny Andriamanitry ny lanitra hatrany aho nandritra ny andro maro. 5 Dia hoy aho hoe: "Ianao no Yaveh, Andrimanitry ny lanitra, ilay Andriamanitra lehibe sady mahagaga, izay mitàna ny fanekena sy mihazona ny fitiavana ho an'ireo izay tia Azy ary mitandrina ireo didiny. 6 Henoy ny fivavahako ka sokafy ny masonao, mba handrenesanao ny vavaky ny mpanomponao izay hivavahako eo anatrehanao andro aman'alina ho an'ny vahoakan'Israely mpanomponao ankehitriny. Miaiky ny fahotan'ny vahoakan'Israely, izay nanotanay taminao aho. Izaho sy ny ankohonan-draiko dia samy nanota. 7 Nanao izay tena ratsy taminao izahay, ary tsy mba nitandrina ireo didy, ireo lalàna, ary ireo fitsipika izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao. 8 Mba tsarovy re ny teny izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao hoe: "Raha tsy mahatoky ianareo, dia ho aparitako eny amin'ireo firenena, 9 fa raha miverina amiko ianareo ary manaraka ny didiko ka manao izany, na dia niely tany ambanin'ny lanitra lavitra indrindra aza ny vahoakanao, dia hanangona azy ireo avy any Aho ka hitondra azy ireo any amin'ny toerana izay nofidiako hampitoerana ny anarako.' 10 Ary mpanomponao sy olonao izy ireo, izay navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny tananao mahery. 11 Yaveh ô, mitalaho aminao aho, henoy re ny vavaky ny mpanomponao sy ny vavak'ireo mpanomponao izay manaja ny anaranao fatratra. Ary ambino ny mpanomponao anio, ary hiantrao eo imason'io lehilahy io izy." Fa nanompo ho mpitondra kapoaka teo amin'ny mpanjaka aho.
Ireo dia anaran-dehilahy.
"Kisleo" no volana fahasivy amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritry ny tapaky ny volana Novambra sy fiandohan'ny volana Desambra amin'ny tetiandro tandrefana.
Nehemia dia manondro ny isan'ny taona nanjakan'i Artakserisesy. DH: "tamin'ny taona faharoapolo nanjakan'i Artakserisesy"
Io dia isan'ny tanàn-dehiben'ny mpanjaka Persiana, izay ao amin'ny tanin'i Elama. Izany dia tanàna midadasika sy voaaro mafy miaraka amin'ny manda manodidina azy.
Hanany dia rahalahy mirai-rà amin'i Nehemia.
"Tonga avy any Joda niaraka tamin'ireo vahoaka hafa i Hanany"
Ireo fehezanteny roa ireo dia manondro ireo vondron'olona iray ihany. Ireto avy no mety ho heviny 1) Ireo Jiosy vitsivitsy izay nentina natao sesitany tany Babylona saingy tafatsoaka ka niverina nipetraka tao Jerosalema na 2) ireo Jiosy vitsivitsy izay tafaporitsaka teny amin'ireo izay saika hanao sesitany azy ireo tao Babylona ka hijanona tao Babylona ary aveo nipetraka tao Jerosalema. Satria tsy mazava manomboka eo amin'ny nitsoahan'izy ireo dia tsara kokoa ny tsy mamaritra mazava izany ao anaty fandikan-teny. DH: "ireo Jiosy izay nitsoaka tsy ho sesitany ary nijanona tao Jerosalema"
Eto ny "izy ireo" dia manondro an'i Hanany sy ireo olona hafa izay avy any Joda.
Eto ny "faritany" dia manondro an'i Joda ho toy ny distrika eo ambanin'ny fanjakana Persana. DH: "ny faritanin'i Joda" na "Joda"
DH: "narodan'ireo tafika ny mandan'i Jerosalema ary nodoran'izy ireo ny vavahady rehetra"
Nilaza izay nivavahany i Nehemia. DH: "Dia hoy aho tamin'i Yaveh"
DH: "ireo izay tianao sy mitandrina ny didinao"
Nehemia dia miresaka an'Andriamanitra toy ny hoe mihaino azy raha izy mivavaka iny ka hanokatra ny masony any aminy Andriamanitra ka hijery azy. DH: "jereo aho" na "mifantoha amiko"
"mba hahenonao ny vavaka izay ataoko, izaho mpanomponao". Ny teny hoe "mpanompo" dia manondro an'i Nehemia. Toy izany ny firesaky ny olona amin'ny lehibeny mba ampisehoana fanajana sy fanetre-tena.
Izany dia ampisehoana fa mivavaka izy mandritry ny atoandro ary mandritry ny alina, nanamafy ny fivavahany matetika i Nehemia. DH: "foana foana"
Eto ny teny "ankohonana" dia midika hoe fianakaviana. DH: izaho sy ny fianakaviako"
Nanohy nivavaka tamin'Andriamanitra i Nehemia.
Ny teny hoe "tsarovy" dia fomba fiteny izay midika hoe tadidio. DH: "Mba tadidio"
Ny "... nao" eto dia manondro an'Andriamanitra.
Ny "... nao" eto dia manondro an'ireo vahoakan'Israely.
Eto Yaveh dia miresaka ny hametraka ireo vahoaka Israelita hiaina any amin'ny toeran-kafa toy ny hoe manaparitaka tahaka ny olona mamafy ireo voa. DH: "Ho ataoko miaina miaraka amin'ireo firenena ianareo"
DH: "na dia nanaparitaka ny vahoakanao ary Aho"
Yaveh dia miresaka ireo toerana izay lavitra indrindra eto ambonin'ny tany. DH: "any amin'ireo toerana izay tena alavitra"
Io fehezanteny io dia manondro an'i Jerosalema izay misy ny tempoly. DH: "any Jerosalema, izay nofidiko ... hitoeranareo"
Eto ny teny hoe "anarako" dia manondro an'Yaveh. DH: "izay nofidiko mba hitoerana"
Nanohy ny vavakany i Nehemia.
Io teny io dia nampiasaina teto mba ho mari-pitsaharana amin'ny vavak'i Nehemia. Eto izy dia manomboka manao ny fangatahany miainga amin'ny fampanantenan'Yaveh.
Ny "izy ireo" eto dia manondro ireo vahoaka Israelita.
Eto ny "tanana" dia maneho ny hery na fahefana. Ireo teny roa ireo dia manamafy ny haleben'ny fahefan'Yaveh. DH: "tamin'ny fahefanao lehibe sy tanjakao" na "tamin'ny herinao matanjaka"
Eto ny "mpanomponao" dia manondro an'i Nehemia. Toy izany ny firesaky ny olona amin'ny lehibeny mba ampisehoana fanajana sy fanetre-tena.
Eto ny "ireo mpanomponao" dia manondro ny ambon'ireo vahoaka Israelita izay nivavaka tamin'Yaveh mba hiasa amin'ny anaran'ny vahoakany sy amin'ny anaran'i Jerosalema.
Eto ny "anarana" dia manondro an'Yaveh. DH: "izay faly manome voninahitra anao"
Eto ny "izy" dia manondro an'i Nehemia tenany ihany mba hanehoany fanetre-tena eo anatrehan'Andriamanitra, ary ny hoe "io lehilahy" io" dia manondro an'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persa.
Miresaka ny fihetsiky ny mpanjaka i Nehemia. DH: "mangataka mba hanana fihantrana amiko ny mpanjaka"
Io dia fampahafantarana fototra momban'ny andraikitr'i Nehemia tao amin'ny lapa fitsaran'ny mpanjaka. Ny fiteneninao dia mety manana fomba manokana hanamarihana ny fampahafantarana fototra.
1 Tamin'ny volan'i Nisana, tamin'ny faharoapolo taona nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka, dia nisafidy divay izy, ary naka ilay divay ka nanome izany ho an'ny mpanjaka. Ary tsy mbola nalahelo teo amin'ny fanatrehany mihitsy aho. 2 Fa hoy ny mpanjaka tamiko hoe: "Nahoana ny endrikao no malahelo be? Toa tsy hita marary nefa ianao. Mety alahelo ao am-po izany." Dia lasa natahotra mafy aho. 3 Hoy aho tamin'ny mpanjaka hoe: "Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka! Nahoana ny endriko no tsy tokony halahelo? Ny tanàna, ny toeran'ny fasan-drazako, dia rava, ary ireo varavarany dia potiky ny afo." 4 Dia hoy ny mpanjaka tamiko hoe: "Inona no tianao hataoko?" Koa nivavaka tamin'ny Andriamanitry ny lanitra aho. 5 Namaly ny mpanjaka aho hoe: "Raha tsara amin'ny mpanjaka izany, ary raha nanao ny tsara teo imasonao ny mpanomponao, dia afaka hirahinao ho any Joda aho, any amin'ilay tanànan'ireo fasan-drazako, mba hahafahako mamerina manangana izany." 6 Dia namaly ahy ny mpanjaka (ary nipetraka teo anilany ihany koa ny mpanjaka vavy) hoe: "Hafiriana no andehananao ary rahoviana ianao no hiverina?" Sitraky ny mpanjaka ny nandefa ahy rehefa nanome ireo datin'andro taminy aho. 7 Avy eo dia hoy aho tamin'ny mpanjaka hoe: "Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy taratasy homena ahy ho an'ireo governora any amin'ny Faritany Andafin'ny Ony mba hanomezan'izy ireo ahy alalana handeha amin'ny fari-tanin'izy ireo amin'ny lalako mankany Joda. 8 Aoka ihany koa hisy taratasy ho an'i Asafa mpiandry ny alan'ny mpanjaka, mba hanomezany ahy hazo hanaovana andry ho an'ireo vavahadin'ny fiarovana mafy akaikin'ny tempoly, sy ho an'ny mandan'ny tanàna, ary ho an'ny trano izay honenako." Koa satria tato amiko ny tanana tsaran'i Yaveh, dia nataon'ny mpanjaka ireo fangatahako. 9 Dia tonga tany amin'ireo governora any amin'ny Faritany Andafin'ny Ony aho ary nanome ireo taratasin'ny mpanjaka azy ireo. Ary ny mpanjaka nandefa manam-boninahitry ny tafika sy mpitaingin-tsoavaly niaraka tamiko. 10 Rehefa ren'i Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo izany, dia tezitra fatratra izy satria nisy olona tonga izay mitady hanampy ny vahoakan'Israely. 11 Noho izany dia tonga tany Jerosalema aho ary tany nandritra ny telo andro. 12 Nifoha aho ny alina, izaho sy lehilahy vitsivitsy niaraka tamiko. Tsy nolazaiko tamin'iza na iza izay napetrak'Andriamanitra tao am-poko mba ho atao ho an'i Jerosalema. Tsy nisy biby niaraka tamiko, ankoatra ilay iray izay notaingenako. 13 Nandeha nivoaka tamin'ny Vavahadin'ny Lohasaha aho ny alina, tandrifin'ny Loharanon'ny Amboahaolo sy ny Vavahadin-Jezika, ary nanara-maso an'ireo mandan'i Jerosalema, izay efa rava, ary ireo varavaran-kazo dia ravan'ny afo. 14 Avy eo dia nankany amin'ny Vavahadin-Doharano sy ny Farihin'ny Mpanjaka aho. Tery loatra ho an'ilay biby izay notaingenako ny handeha amin'ilay toerana. 15 Noho izany dia niakatra ny lohasahan-driaka aho ny alina ary nanara-maso ny manda, ary niverina sy niditra teo amin'ny Vavahadin'ny Lohasahan-driaka, ary niverina. 16 Tsy fantatr'ireo mpanapaka izay nalehako na izay nataoko, ary tsy mbola nampilaza ireo Jiosy aho, na ireo mpisorona, na ireo manan-kaja, na ireo mpanapaka, na ireo sisa izay nanao ny asa. 17 Hoy aho tamin'izy ireo hoe: "Hitanareo ny loza izay mahazo antsika, ny hitoeran'i Jerosalema ao anaty faharavana sy ny vavahadiny izay ravan'ny afo. Andao, andeha isika hamerina hanangana ny mandan'i Jerosalema, mba tsy ho ao anatin'ny fahafaham-baraka intsony isika." 18 Nolazaiko azy ireo fa teo amiko ny tanana tsaran'Andriamanitra sy ny momba ny tenin'ny mpanjaka izay nolazaina tamiko. Hoy izy ireo hoe: '"Aoka isika hisandratra ka hanorina." Dia nohatanjahan'izy ireo ho an'ny asa tsara ny tanan'izy ireo. 19 Fa rehefa ren'i Sanbala Horonita, sy Tobia Amonita mpanompo, ary Gesema Arabo ny momba izany, dia naneso sy nanala baraka anay izy ireo, ary hoy izy ireo hoe: "Inona ity ataonareo? Mikomy hanohitra ny mpanjaka ve ianareo?" 20 Dia namaly azy ireo aho hoe: "Hanome fahombiazana anay ilay Andriamanitry ny lanitra. Mpanompony izahay ary hitsangana sy hanorina izahay. Kanefa ianareo tsy manana anjara, na rariny, ary fifandraisana amin'ny tantara ao Jerosalema."
Ny "Nisana" no anaran'ny volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo.
"tamin'ny 20 taona naha mpanjaka an'i Arteksersesy"
Io teny io dio nampiasaina mba hanamarihana fihatona amin'ny fizotry ny tantara. Eto i Nehemia dia milaza fampahafantarana fototra mahakasika ny fitondran-tenany teo anatrehan'ny mpanjaka.
"Koa hoy ny mpanjaka"
Ny endrika dia mampiseho ny fihetsem-pon'ny olona iray. DH: '"Nahoana ianao no malahelo"
Io dia miresaka momban'ny alahelon'i Nehemia tahaka ny hoe malahelo ny fony, satria ny fo matetika no raisina toy ny ivon'ny fihetsem-po rehetra. DH: "tena malahelo be ianao"
Raha niomana ny hamaly iny i Nehemia, dia natahotra izy satria tsy fantany izay ho avalin'ilay mpanjaka.
Nampiseho fanajana tamin'i Artekserisesy i Nehemia. Eto ny "mandrakizay" dia hitatra hilazana hoe mba ho lava andro hiainana. DH: "Ho ela velona ny mpanjaka! na "Ho lava andro hiainana anie ny mpanjaka!"
Eto i Nehemia dia mampiasa io fanontaniana fampisainana io mba hilazana amin'ny mpanjaka fa misy antony no mahatonga azy alahelo. DH: "Misy antony tsara mahatonga ahy malahelo".
"ny toerana nandevenana ireo razambeko"
DH: "afo no nanimba ireo vavahadiny" na "ny fahavalontsika no efa nandoro ireo vavahadiny"
"dia namaly ny mpanjaka aho"
Manondro ny tenany ihany i Nehemia mba ampisehoana fankatoavana ny mpanjaka.
Eto ny hoe "imasonao" dia maneho fitsarana na fandinihina. DH: "teo amin'ny fitsaranao"
"ny toerana nandevenana ireo razambeko"
Tsy nikasa ny hanangana ireo trano avo irery i Nehemia, fa ho mpitarika ny asa fotsiny ihany izy. DH: "mba ahafan'ny tenako sy ny vahoakako manangana izany"
DH: "aoka ianao hanome taratasy ahy"
Iza no anaran'ilay faritany izay tany andrefan'ny onin'i Eftrata. Izany dia teny ampitan'ny tanan-dehiben'i Sosana.
Anaran-dehilahy izany.
Ny "tanana tsara" dia maneho ny "fankasitrahana". DH: "Ny fankasitrahan'Andriamanitra teo amiko.
Sanbala no anaran'ilay lehilahy, ary ny Horonita dia vondron'olona.
Io lehilahy io dia andevo afaka izay lasa manam-boninahitra tao Amona.
"nandre fa tonga aho"
Eto ny "fon'" i Nehemia dia manambara ny eritreriny sy sitram-pony. DH: "nampiainga ny fanahiko" na "nitarika ahy"
Nisy lehilahy vitsivitsy nanaraka an'i Nehemia tamin'ny fitsidihany, saingy nampiasa ny "aho" izy satria izy no olona fototra.
"Ny alina dia namakivaky ny vavahadin'ny lohasaha aho"
Alika dia
Ny maloto rehetra tao amin'ilay tanàna dia nariana avy eo amin'ilay vavahady io.
DH: "izay noravain'ireo fahavalon'Israely, sy ilay vavahady hazo izay nodoran'ireo fahavalony tamin'ny afo"
Nanaraka azy ihany koa ireo lehilahy hafa niaraka tamin'i Nehemia. DH: "koa dia niakatra izahay ... ary niverina"
Izany dia manondro ireo lehilahy izay nanambotra ireo manda taty aorina. DH: "ireo hafa izay nanambotra ilay manda taty aorina"
Izany dia manondro ny olona rehetra voatonona tao amin'ny 2:15.
DH: "ny namotehan'ireo fahavolantsika ireo vavahady tamin'ny afo"
"koa tsy ho menatra intsony isika"
Ny "tanana tsara" an'Andriamanitra dia midika ho "fankasitrahany". DH: "teo amiko ny fankasitrahan'Andriamanitra"
Izany dia fomba fiteny. DH: "manomboka manorina"
Ny teny hoe "nohatanjahan'izy ireo ... ny tanan'izy ireo" dia midika hoe miomana hanao zavtra. AT: Koa dia niomana hanao izany asa tsara izany izy ireo"
Ireo dia anaran-dehilahy. Hadikao toy ny tao amin'ny 2.9
Izany dia anaran-dehilahy.
Ireo dia fanontaniana fampisainana izay nampiasasaina mba hanesoana an'i Nehemia. Ireo dia azo avadika ho fanambarana. DH: "Manao fihetsika tsy amim-piheverana ianareo! Ianareo dia tsy tokony hikomy hanohitra ny mpanjaka!"
Io dia manondro an'i Arteksersesy, mpanjakan'ny Persa.
Izany dia fomba fiteny. DH: "hamerina hanangana"
"Fa ianao dia tsy manana anjara ara-dalàna, na fahazoan-dalana masina tamin'i Jerosalema"
1 Ary nitsangana niaraka tamin'ireo mpisorona rahalahiny i Eliasiba mpisoronabe, dia nanamboatra ny Vavahadin'Ondry izy ireo. Natokan'izy ireo izany ary napetrany tamin'ny toerany ny varavarany. Natokan'izy ireo hatrany amin'ny Tilikambon'ny Zato lahy ka hatrany amin'ny Tilikambon'i Hananela izany. 2 Taoriany no niasa ny olon'i Jeriko, ary niasa taorian'izy ireo i Zakora zanaka lahin'i Imry. 3 Namboarin'ireo zanaka lahin'i Hasena ny Vavahadin'ny Hazandrano. Nanao andry ho an'izany izy ireo, ary nametraka ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany. 4 Ary Meremota no nanamboatra ny faritra nanaraka izany. Izy dia zanaka lahin'i Oria zanaka lahin'i Hakoza. Taorian'izy ireo no nanamboatra i Mesolama. Izy dia zanaka lahin'i Berekia zanaka lahin'i Mesezabela. Taorian'izy ireo no nanamboatra i Zadoka. Izy dia zanaka lahin'i Bana. 5 Taorian'izy ireo ny Tekoita no nanamboatra, fa tsy nanaiky hanao ny asa nampanaovin'ny mpanara-maso azy ny mpitarik'izy ireo. 6 Joiada zanaka lahin'i Pasea sy Mesolama zanaka lahin'i Besodia no nanamboatra ny Vavahady Taloha. Nanao andry ho an'izany izy ireo, ary nametraka ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany. 7 Taorian'izy ireo i Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita, izay olon'i Gibeona sy Mizpa no nanao fanamboarana teo amin'ilay faritra nipetrahan'ny governoran'ny Faritany Tandrifin'ny Ony. 8 Oziela zanaka lahin'i Haraia no teo akaikiny, iray amin'ireo mpanefy volamena, no nanamboatra, ary teo anilany i Hanania, izay mpanao ranomanitra. Naverin'izy ireo namboarina i Jerosalema hatrany amin'ny Rindrina Lehibe. 9 Teo akaikin'izy ireo i Refaia zanaka lahin'i Hora no nanamboatra. Izy no mpanapaka ny antsasaky ny distrikan'i Jerosalema. 10 Taorian'izy ireo dia i Jedaia zanaka lahin'i Haromafa no nanamboatra ny teo akaikin'ny tranony. Taoriany dia Hatosy zanaka lahin'i Hasabnia no nanamboatra. 11 Malkia zanaka lahin'i Harima sy Hasoba zanaka lahin'i Pahatamoaba dia nanamboatra faritra hafa manaraka ny Tilikambon'ny Fatana. 12 Taorian'izy ireo dia i Saloma zanaka lahin'i Halohesy, izay mpanapaka ny antsasaky ny distrikan'i Jerosalema, dia nanamboatra, niaraka tamin'ireo zanany vavy. 13 Hanona sy ireo mponin'i Zanoa dia nanamboatra ny Vavahadin'ny Lohasaha. Naverin'izy ireo naorina izay ary napetrany ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany. Nanamboatra mira arivo hakiho hatrany amin'ny Vavahadin-Jezika izy ireo. 14 Malkia zanaka lahin'i Rekaba, mpanapaka ny distrikan'i Beti-Hakerema, no nanamboatra ny Vavahadin-Jezika. Izy no nanamboatra izany, ary nametraka ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany. 15 Saloma zanaka lahin'i Kola-Hoze, mpanapaka ny distrikan'i Mizpa, no namerina nanamboatra ny Vavahadin'ny Loharano. Izy no nanamboatra izany, ary nandrakotra izany sy nametraka ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany. Izy ihany koa no namerina nanamboatra ny mandan'ny Farihin'i Siloa izay teo akaikin'ny zaridainan'ny mpanjaka, hatrany amin'ny tohatra midina mankany amin'ny tanànan'i Davida. 16 Nehemia zanaka lahin'i Azboka, mpanapaka ny antsasaky ny distrikan'i Beti-Zora, dia nanamboatra teo amin'ny toerana mandalo eo amin'ny fasan'i Davida, hatrany amin'ilay farihy nataon'olombelona, ka hatrany amin'ny tranon'ireo olona mahery. 17 Taoriany dia ny Levita no nanamboatra, ao anatin'izany i Rehoma zanaka lahin'i Bany, ary nanaraka azy, Hasabia, ilay mpanapaka ny antsasaky ny distrikan'i Keila, ho an'ny distrikany. 18 Nanamboatra teo anilany ny mponin'izy ireo, tao anatin'izany i Bavay zanaka lahin'i Henadada, mpanapaka ny antsasaky ny distrikan'i Keila. 19 Taoriany, dia Ezera zanaka lahin'i Jesoa, mpanapaka tao Mizpa, no nanamboatra faritra hafa nanoloana ny fiakarana mankany amin'ny trano fitehirizana fitaovam-piadiana teo an-joron'ny manda. 20 Teo anilany dia nanolo-tena nanamboatra faritra hafa i Baroka zanaka lahin'i Zabay, avy eo amin'ny zoron-drindrina hatrany amin'ny varavaran-tranon'i Eliasiba mpisoronabe. 21 Nanamboatra faritra hafa teo akaikiny i Meremota zanaka lahin'i Oria zanak'i Hakoza, avy eo amin'ny varavaran-tranon'i Eliasiba ka hatrany amin'ny faran'ny tranon'i Eliasiba. 22 Taoriany dia ireo mpisorona, lehilahy avy amin'ny faritra manodidina an'i Jerosalema, no nanamboatra. 23 Taorian'izy ireo dia Benjamina sy Hasoba no nanamboatra nanandrify ny tranon'izy ireo manokana. 24 Taoriany i Binoy zanaka lahin'i Henadada dia nanamboatra faritra hafa, avy eo amin'ny tranon'i Azaria hatrany amin'ny zoron'ny manda. 25 Palala zanaka lahin'i Ozay dia nanamboatra ny manoloana ny zoron'ny manda sy ny tilikambo izay mitohy miakatra avy eo amin'ny trano avon'ny mpanjaka eo amin'ny tokotanin'ny mpiambina. Pedaia zanaka lahin'i Parosy no nanamboatra teo anilany. 26 Ary ireo mpanompon'ny tempoly nipetraka tao Ofela dia nanamboatra hatreo amin'ny tandrifin'ny Vavahadin-dRano atsimon'ny tilikambo lehibe. 27 Nanaraka azy dia nanamboatra faritra hafa ny Tekoita izay tandrifin'ny tilikambo lehibe hatrany amin'ny mandan'i Ofela. 28 Ireo mpisorona dia nanamboatra ny teo ambonin'ny Vavahadin-tsoavaly, izay tandrifin'ny tranon'ny tsirairay. 29 Nanamboatra ny faritra hafa tandrifin'ny tranony teo anilan'izy ireo i Zadoka zanaka lahin'i Imera. Ary nanamboatra teo anilany i Semaia zanaka lahin'i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana. 30 Nnanamboatra faritra hafa teo anilany i Hanania zanaka lahin'i Selemia, sy Hanona ilay zanaka lahy fahenin'i Zalafa. Nanaraka azy i Mesolama zanaka lahin'i Berekia izay nanamboatra ny tandrifin'ny efitranony. 31 Teo anilany i Malkia, iray amin'ireo mpanefy volamena, izay nanamboatra ny tranon'ny mpanompo an-tempoly sy ireo mpivarotra izay tandrifin'ny Vavahady Fanendrena sy ny efitrano ambony teo an-jorony. 32 Ireo mpanefy volamena sy ireo mpivarotra dia nanamboatra ny teo anelanelan'ny efitrano ambony teo an-jorony sy ny Vavahadin'Ondry.
"Dia nandroso teny aloha niaraka tamin'ireo rahalahiny, mpisorona i Eliasiba mpisoronabe"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Tilikambon'ny Zato 100
Izany no anaran'ilay tilikambo. Izany dia nalaina avy tamin'ny anaran-dehilahy hoe "Hananela"
Izany dia midika fa ireo lehilahy ireo dia avy any Jeriko. DH: "ireo lehilahy avy any Jeriko"
Ireo dia anaran-dehilahy.
"nametraka ny varavarany eo amin'ny fitoerany"
"ny hidiny sy barany." Ireo no mihazona ilay vavahady hidy tsara.
Ireo fehezanteny ireo dia manondro ny fanamboarana ilay manda. DH: "Meremota ny ampahany manaraka tamin'ilay manda ... Zadoka no nanambotra ilay manda ... Tekoita dia nanambotra ilay manda"
Ireo dia olona avy any Tekoa.
DH: "izay nandidin'ny mpanara-maso azy ireo ho ataony"
Ireo dia anaran-dehilahy.
"nametraka ny varavarany eo amin'ny fitoerany"
"ny hidiny sy barany." Ireo no mihazona ilay vavahady hidy tsara.
Ireo Gibeonita sy Meronotita dia vondron'olona.
Ireo dia anaran-toerana.
Izany dia anaran'ilay faritany izay any andrefan'ny onin'i Eofrata. Izany dia ampitan'ny renirano avy any amin'ny tanànan'i Sosa. Adikao toy ny tao amin'ny 2:7.
Ireo dia anaran-dehilahy.
ny mpanefy volamena dia olona izay mpanambotra firavaka volamena na zavatra hafa vita amin'ny volamena.
Ireo fehezanteny ireo dia manondro ny fanamboarana ilay manda. "ireo mpanefy volamena no nanambotra ... Hora no nanamboatra ilay manda ... Haromafa no nanambotra ilay manda ... Hasabnia no nanambotra ilay manda"
Hanania koa dia nanamboatra ilay manda.
Rano izay fataon'ny olona amin'ny vatany amin'ny fatrany kely mba hamoaka fofona mahafinaritra.
"mpitantana" na "mpitarika"
ny "antsasaka" eto dia midika ilay silak'ilay zara mitovy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo fehezanteny ireo dia manondro ny fanamboarana ilay manda. DH: "nanambotra ny ampahany hafa tamin'ilay manda ... nanamboatra ilay rindrina niaraka tamin'ireo zanany vavy"
Saloma no mpanapaka fa tsy i Halohesy.
"mpitantana" na "mpitarika"
ny "antsasaka" eto dia midika ilay silak'ilay zara mitovy.
Izany dia anaran-dehilahy.
"ireo olona avy any Zanoa"
Izany no anaran'ilay toerana.
Na koa hoe "vavahady izay mitondra mankany amin'ny lohasaha". Ezaho hadika ho lasa anarana io fehezanteny io fa tsy famaritana fotsiny ihany.
"nametraka ny varavarany eo amin'ny fitoerany"
"ny hidiny sy barany." Ireo no mihazona ilay vavahady hidy tsara.
Nanamboatra ny ampahan'ilay manda teo anelanelan'ny vavahadin'ny lohasaha sy vavahadin-jezika izy ireo. DH: "Nanamboatra mira arivo hakiho, manomboka any amin'ny vavahadin'ny lohasaha hatrany amin'ny vavahadin-jezika izy ireo"
"1000 akiho." Azo soratana amin'ny fandresena moderina ihany koa io. DH: "460 metatra"
Ny maloto tao amin'ny tanàna dia nariana teo amin'io vavahady io. Ezaho hadika ho lasa anarana io fehezanteny io, fa tsy ho famaritana fotsiny ihany.
Ireo dia anaran-dehilahy.
"mpitantana" na "mpitarika"
Izany dia anaran-toerana
"nametraka ny varavarany eo amin'ny fitoerany"
"ny hidiny sy barany." Ireo no mihazona ilay vavahady hidy tsara.
Saloma no mpanapaka fa tsy i Kola-Hoze.
Izany dia midika fa ilay manda dia teo akaikin'ny farihin'i Siloa. DH: "ilay manda izay manodina ny farihin'i Siloa"
Nehemia no mpanapaka fa tsy Azboka.
I zany dia lehilahy hafa mitondra ny anarana hoe Nehemia izay olona nanome fahazoan-dalana amin'ity boky ity.
ny "antsasaka" eto dia midika ilay silak'ilay zara mitovy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo fehezanteny ireo dia miresaka ny fanamboarana ilay manda. DH: "nanamboatra ilay mada teo amin'ilay toerana ... Levita no nanambotra ilay manda"
"lehilahy mpiady"
"nisolo-tena ny distrikany" na "amin'ny anaran'ny distrikany"
"teo akaikiny"
Ireo fehezanteny ireo dia miresaka ny fanamboarana ilay manda. DH: "nanamboatra ilay manda teo akaikiny ireo mponin'izy ireo ... nanamboatra faritra hafa tamin'ilay manda"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Bavay no mpanapaka fa tsy i Hanadada.
Ireo dia anarana toerana.
Ezera no mpanapaka fa tsy i Jesoa.
"eo anoloan'ny tohatra izay miakatra mankany amin'ny trano fitehirizana ny fitaovam-piadiana"
Toerana fametrahana ireo fitaovam-piadina
"teo akaikiny"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia miresaka ny fanamboarana ilay manda. DH: "nanamboatra ampahany hafa tamin'ilay manda"
Ireo fehezanteny ireo dia miresaka ny fanamboarana ilay manda.
Ireo dia anaran-dehilahy.
"eo anoloan'ny tranon'izy ireo manokana"
"Teo akaikiny ... Teo akaikin'izy ireo"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo fehezanteny ireo dia miresaka ny fanamboarana ilay manda.
"teo akaikiny"
"ny tilikambo izay nampiakarina ny haavony"
"lapa avo indrindra an'ny mpitarika tao Israely"
Io no toerana fipetrahan'ireo mpiambina.
Io no anaran'ilay lapa.
"teo anoloan'ny Vavahadin-drano"
"ny tilikambo lehibe ... ilay tilikambo lehibe." Ny fehezanteny "tandrifin'ny tilikambo lehibe" dia miresaka ilay tilikambo lehibe izay mihaavo noho ilay manda. Azo heverina fehezanteny ireo dia samy manondro tilikambo iray ihany.
Ireo dia olona avy any Tekoa. Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 3:3.
Ireo fehezanteny ireo dia miresaka ny fanamboarana ilay manda.
Ny teny "ambony" dia nampiasaina teto satria ny tranon'ny mpisorona dia mipetraka any amin'ny toerana avo noho ny vavahadin-tsoavaly.
"teo anoloan'ny tranony"
"Teo akaikin'izy ireo ... Teo akaikiny"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Semaia no mpiambina ny vavahady antsinanana fa tsy i Sekania
"zzanaka lahy faha-6"
"eo anaolaoan'ireo efitra izay hipetrahany." Ny teny "... any" eto dia manondro an'i Mesolama.
"teo akaikiny"
Izany dia anaran-dehilahy.
ny mpanefy volamena dia olona izay mpanambotra firavaka vita amin'ny volamena na zavatra hafa vita amin'ny volamena.
Ireo fehezanteny ireo dia miresaka ny fanamboarana ilay manda. DH: "nanamboatra ilay manda mankany amin'ilay trano ... ireo mpivarotra dia nanamboatra"
Efitrano any amin'ny rihana ambony indrindra izay hipetrahan'ny olona
Izany no anaran'ilay fidirana Mankany amin'ny manda.
1 Ary rehefa ren'i Sanbala fa nanangana ny manda izahay, dia nirehitra tao anatiny izany, ary nisafoaky ny hatezerana izy ka nanamavo ny Jiosy. 2 Hoy izy teo anatrehan'ireo rahalahiny sy ny tafik'i Samaria: "Fa inona ity ataon'ireo Jiosy kanosa ireo? Hamerina ny tanàna ho azy ireo angaha izy ireo? Hanolotra sorona angaha izy ireo? Ho vitain'izy ireo ao anatin'ny iray andro angaha ny asa? Hamelona ireo vato avy amin'ireo korontam-bato efa nodorana indray angaha izy ireo? 3 Tobia Amonita dia niaraka taminy, ary hoy izy hoe: "Raha mba nisy amboahaolo mantsy niakatra teo amin'izay atsangan'izy ireo, dia handrodana ny manda vaton'izy ireo izany!" 4 Henoy, ry Andriamanitray, fa vaorabiraby izahay. Avereno amin'ny lohan'izy ireo ihany ny fitenenan-dratsin'izy ireo ary avelao izy ireo ho babo any amin'ny tany izay higadran'izy ireo. 5 Aza manarona ny helok'izy ireo ary aza mamafa ny fahotany tsy ho eo anatrehanao, fa nihantsy ny fahatezeran'ny mpanorina ny manda izy ireo. 6 Koa natsanganay ny manda ary nifandray teo amin'ny hatsasaky ny hahavony ny manda rehetra satria nanam-paniriana ny hiasa ireo olona. 7 Fa nony ren'i Sanbala, Tobia, ireo Arabo, ireo Amonita, ary ireo Asdodita fa nandroso ny asa fanamboarana ny mandan'i Jerosalema, ary efa hikatona ireo toerana vaky teo amin'ny manda, dia nirehin-katezerana lehibe tao anatin'izy ireo. 8 Niara-nikonokonona avokoa izy rehetra, ary tonga hiady tamin'i Jerosalema ka nahatonga savorovoro tao amin'izany. 9 Fa nivavaka tamin'ny Andriamanitray izahay ary nametraka mpiambina hiaro amin'izy ireo andro aman'alina nohon'ny fampitahoran'izy ireo. 10 Dia hoy ireo vahoakan'i Joda hoe: "Mihalefy ny herin'ireo izay milanja enta-mavesatra. Be loatra ireo korontam-bato, ary tsy afaka mamerina manangana ny manda izahay." 11 Hoy ireo fahavalonay hoe: "Tsy hahafantatra na hahita izy ireo ambara-pahatonganay eo amin'izy ireo ka hamono azy ireo, ary hampitsahatra ny asa." 12 Tamin'izany fotoana izany dia tonga avy tany amin'ny lalana rehetra ireo Jiosy izay nonina teo akaikin'izy ireo ary niteny impolo taminay, nampitandrina anay ny amin'ny tetika izay ataon'izy ireo aminay. 13 Koa nametraka olona tany amin'ny faritra iva indrindra amin'ny manda teny amin'ny toerana miharihary aho. Nametraka ny fianakaviana tsirairay niaraka tamin'ny sabany, ny lefony, ary ny tsipìkany avy aho. 14 Dia nitazana aho, ary nitsangana, ka hoy aho tamin'ireo olona ambony, sy tamin'ireo mpanapaka, ary tamin'ny vahoaka sisa hoe: "Aza matahotra azy ireo. Tsarovy ny Tompo, izay lehibe sady mahagaga. Miadia ho an'ny fianakavianareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny vadinareo, ary ny ankohonanareo." 15 Ary rehefa ren'ireo fahavalonay fa hainay ny paik'adin'izy ireo, ary nasavorovoron'Andriamanitra ny paik'adiny, dia niverina teo amin'ny manda izahay rehetra, samy tamin'ny asany avy. 16 Koa nanomboka tamin'izany fotoana izany dia niasa ho an'ny fananganana ny manda fotsiny ny antsasak'ireo mpanompoko, ary ny antsasany nitazona lefona, ampinga, tsipìka, ary nanao akanjo fiarovana, raha nitsangana avy ao aorian'ireo vahoakan'i Joda rehetra kosa ireo mpitarika. 17 Niambina ny fitoeran'izy ireo ihany koa ireo mpiasa izay nanangana ny manda sy nilanja ny enta-mavesatra. Niasa tamin'ny tanana iray avy ny olona rehetra, ary tamin'ny tanana ilany no nitànan'izy ireo ny fiadiany. 18 Ny mpanangana rehetra dia nanao ny sabany teo anilany ary toy izany no niasany. Ilay iray izay nampaneno ny trompetra dia nijanona teo akaikiko. 19 Dia hoy aho tamin'ireo olona ambony sy ireo manam-boninahitra ary tamin'ireo vahoaka sisa hoe: "Goavana sady mihitatra ny asa, ary misaratsaraka isika eto ambonin'ny manda, mifanalavitra. 20 Aoka hiazakazaka ho eo amin'ny toerana andrenesanareo ny feon-trompetra ianareo ary hiangona eo. Hiady ho antsika ny Andriamanintsika." 21 Koa nataonay ny asa. Ny antsasak'izy ireo nitazona lefona nanomboka vao mangiran-dratsy ka hatramin'ny fipoiran'ny kintana. 22 Hoy ihany koa aho tamin'ireo olona tamin'izany fotoana izany hoe: "Aoka ny olona rehetra sy ny mpanompony handany ny alina eo afovoan'i Jerosalema, mba ho mpiambina antsika mandritra ny alina izy ireo ary ho mpiasa amin'ny andro." 23 Koa na izaho, na ireo rahalahiko, na ireo mpanompoko, na ireo lehilahin'ny mpiambina izay nanaraka ahy, dia tsy mba nisy nisolo akanjo izahay, ary nitana fiadiana ny tsirairay taminay, na dia handeha haka rano aza.
Eto i Nehemia dia nampiasa ny teny "Ary" mba hanamarihana fizarana vaovao amin'ny tantara.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 2:9.
Eto ny "izany" dia manondro ny fahafantaran'i Sanbala fa manangana manda ireo Jiosy. Izany dia miresaka ny fahatezeran'i Sanbala toy ny afo izay mirehitra ao anatiny. DH: "lasa tena tezitra izy"
"teo anatrehan'ireo havany akaiky" na "teo anatrehan'ny fokony"
Nametraka ireo fanontaniana ireo i Sanbala mba hanesoana ireo Jiosy. Ireo dia azo avadika ho lasa fanambarana. DH: "Ireo Jiosy kanosa ireo dia tsy afaka hanatanteraka na inona na inona. Tsy afaka ny hamerina ny tanàna ho an'ny tenany izy ireo. Tsy hanolotra sorona izy ireo. Tsy havita ny asa ao anatin'ny iray andro izy ireo."
"Jiosy malemy"
Izany dia manambara tsy fahafahana mamita zavatra haingana. DH: "haingana"
Nametraka io fanontaniana io ihany koa i Sanbala mba hanesoana ireo Jiosy. azo avadika ho lasa fanambarana. DH: "Izy ireo dia tsy hamelona ireo vato avy tamin'ireo korontam-bato izay efa may."
Io dia miresaka ireo olona izay mamerina manangana ny tanàna toy ny hoe mamelona izany mba hiaina indray izy ireo. DH: "hamerina hanangana ny tanàna sy ireo mandany avy amin'ireo vato tsy misy ilaivana azy fa efa may ary efa navadika ho korontam-bato"
DH: "avy amin'ireo korontam-bato izay efa nisy nandoro"
Sanbala dia naneso ilay manda ary nanao filaza manitatra ampsehoana ny fahalemeny ilay izy amin'ny filazana fa ny amboahaolo dia afaka mandrava izany. DH: "Ny manda izay hatsangan'izy ireo dia malemy ka na ny amboahaolo kely aza dia afaka mihanika eo amin'izany, ny vaton'izy ireo dia hirodana amin'ny tany"
Eto Nehemia dia mivavaka amin'Andriamaitra. DH: "Dia nivavaka aho avy eo hoe: "Henoy, ry andriamanitray, ... satria nihantsy hatezerana ireo mpanorina izy ireo""
Eto ny teny "izahay" dia manondro ireo Jiosy. DH: "Henoy, ry Andriamanitray, fa efa nanao tsinotsinona anay ireo fahavalonay."
DH: "avelao izy ireo ho babon'ireo fahavalon'izy ireo"
Ny andian-teny hoe "ny fitenen-dratsy" eto dia manondro ireo fanevatevan'i Sanbala sy i Tobia. Eto ny teny "loha" dia manondro ny vahoaka manontolo. DH: "avereno amin'izy ireo ihany ny teny ratsin'izy ireo" na "ataovy teny fanesoana ho azy ireo ihany ny faniratsiran'izy ireo"
Io dia miresaka ny famelana heloka ny otan'nyolona iray toy ny zavatra azo afenina. DH: "Aza mamela heloka"
Io dia miresaka ny fanadinoana ny otan'ny olona iray toy ny zavatra izay nosoratana ka afaka fafaina. DH: "aza manadino ny otan'izy ireo"
"nampatezitra ireo mpanorina izy ireo"
"Koa namerina nanangana ilay manda"
DH: "nampifandraisinay teo amin'ireo manda ary hatsasaky ny hahavony ny fitambaran'izany"
Ny "hatsasaka" dia midika fizarana roa mitovy.
Eto dia resahina toy ny zavatra izay mandoro ao anatin'izy ireo ny fahatezeran'ny olona. DH : "Niha tezitra izy ireo"
Eto "Jerosalema" dia manondro ireo vahoaka izay miaina tany. DH: "tamin'ireo vahoakan'i Jerosalema"
"nametraka ireo lehilahy manodidina ilay manda mba hiambina ny tanàna"
Ny korontam-bato eto dia ny "vato nodorana" na "potika vato" na "vato tsy misy ilàna azy."
"Tsy ahita ny fiavintsika izy ireo mandra-pahatongantsika eo amin'izy ireo"
Eto ny isa 10 dia nampiasaina mba hanehoana hoe "imbetsaka." DH: "niteny taminay imbetsaka"
"teny amin'ny faritra marefo"
Io dia manondro ireo vahoaka maro avy amin'ny fianakaviana tsirairay avy, tsy ao anatin'izany ireo zaza aman-behivavy. DH: "naperako teo amin'ny ... ireo vahoaka avy amin'ny fianakaviana tsirairay avy"
ny teny "tsarovy" dia midika hoe tadidio. DH: "Tadidio ny Tompo"
DH: "fantatray ny momban'ny paik'adin'izy ireo"
"niasa ... ireo tovolahiko"
Ny "atsasaka" eto dia fizarana zavatra iray ho roa mitovy.
"ireo mpitarika dia nametraka ny tenany taoran"ny vahoaka rehetra
Izany dia fanitarana. Izy ireo dia tsy miasa amin'ny tanan-kila ihany, fa izy ireo dia miaraka amin'ny fitaovam-piadin'izy ireo foana mba hiarovana ny tenan'izy ireo sy ny manodidina azy ireo.
Eto ny "aho" dia manondro an'i Nehemia.
Ireo no mpitarika noresahina tao amin'ny 4:15
Eto ny teny hoe "goavana" eto dia midika hoe "lehibe"
Izany dia manambara olona mitsoaka trompetra. DH: "olona mitsoka trompetra"
Ny teny "antsasaka" eto dia midika ilay silak'ilay zara mitovy.
Izany dia manondro ny tontolo andro, raha mbola mazava iny ao ivelany. DH: "manomboka amin'ny tara-pahazavana voalohany ny maraina hatramin'ny fiatombohan'ny alina"
Fotoana hiposahan'ny masoandro. DH: "fiposahan'ny masoandro"
"tao Jerosalema"
"nanala ny akanjoay"
1 Ary ireo lehilahy sy ny vadin'izy ireo dia nanao fitarainana lehibe hanohitra ireo Jiosy namany. 2 Satria nisy sasany nanao hoe: "Maro izahay miaraka amin'ny zanaka lahinay sy zanaka vavinay. Koa aoka izahay hahazo vary mba hahafahanay mihinana sy mivelona." 3 Nisy sasany hafa koa nanao hoe: "Manao antoka ny sahanay, ny tanim-boalobokay, sy ny tranonay izahay, mba hahazoanay vary mandritra ny mosary." 4 Nisy sasany ihany koa nanao hoe: "Efa nindrana vola handoavana ny hetran'ny mpanjaka tamin'ny sahanay sy ny tanim-boalobokay izahay. 5 Nefa ny nofonay sy ny rànay dia mitovy tahaka ny an'ny rahalahinay ihany, ary ny zanakay dia mitovy amin'ny zanak'izy ireo. Voatery nivarotra ny zanaka lahinay sy zanaka vavinay ho andevo izahay. Ary ny sasany amin'ireo zanakay vavy dia efa nandevozina rahateo. Nefa tsy ao amin'ny herinay ny hanao izany satria efa olona hafa no tompon'ny ny sahanay sy ny tanim-boalobokay ankehitriny." 6 Dia tezitra mafy aho raha nahare ny fitarainan'izy ireo sy ireo teny ireo. 7 Dia nieritreritra momba izany aho, ary nitondra fiampangana ho an'ireo manan-kaja sy ireo manam-boninahitra. Hoy aho tamin'izy ireo: "Samy sarotiny amin'ny rahalahiny tsirairay avy ianareo." Dia nanao fiangonam-be hanohitra azy ireo aho 8 ary niteny azy ireo hoe: "Izahay, araka izay tratranay, dia efa nanonitra tamin'ny fanandevozana ireo Jiosy rahalahinay izay namidy tamin'ny firenena, nefa ianareo aza nivarotra ny rahalahinareo sy ny anabavinareo mba hivarotana azy ireo aminay!" Dia nangina sy tsy nahita teny ho lazaina izy ireo. 9 Dia niteny koa aho hoe: "Tsy tsara izao ataonareo izao. Moa tsy tokony handeha amin'ny fahatahorana an'Andriamanitsika ve ianareo mba hisorohana ny fitenenan-dratsin'ireo firenena izay fahavalontsika? 10 Izaho sy ny rahalahiko ary ny mpanompoko dia efa mampisambotra vola sy vary azy ireo. Nefa isika dia tokony hampitsahatra ny fanasiana zana-bola amin'ireny fampindram-bola ireny. 11 Avereno amin'izy ireo amin'ity andro anio ity ireo sahan'izy ireo, ireo tanim-boalobony, ireo saha hanirian'ny olivany, sy ireo tranony, ary ny isan-jaton'ny vola, ny vary, ny divay vaovao ary ny menaka izay nampisamborinareo tamin'izy ireo." 12 Dia hoy izy ireo: "Ho averinay izay nalainay tamin'izy ireo, ary tsy hitaky na inona na inona amin'izy ireo izahay. Hanao araka izay lazainao izahay." Dia niantso ireo mpisorona aho, ka nampianiana azy ireo mba hanao araka izay efa nampanantenain'izy ireo. 13 Nanakopaka izay niforitra tamin'ny akanjoko aho ary niteny hoe: "Aoka anie hafahan'Andriamanitra amin'ny tranony sy ireo fananany ny olona rehetra izay tsy mitàna ny fampanantenany. Aoka anie hafahana sy foanana izy." Ary ny fiangonana rehetra niteny hoe: "Amena," sady nidera an'i Yaveh ary nanao araka izay efa nampanantenain'izy ireo ny vahoaka. 14 Koa tamin'ny fotoana izay nanendrena ahy ho governoran'izy ireo tany amin'ny tanin'i Joda, nanomboka tamin'ny taona faharoapolo ka hatramin'ny taona faharoa amby telopolo nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka, roa ambin'ny folo taona izay, dia tsy mbola nihinana sakafo nomena ho an'ny governora na izaho na ireo rahalahiko. 15 Nefa ireo governora fahiny izay teo alohako dia nametraka enta-mavesatra tamin'ny vahoaka, ary nampandoa azy ireo sekely volafotsy efapolo ho an'ny sakafo sy divain'izy ireo isan'andro. Na ireo mpanompon'izy ireo aza nampahory ny vahoaka. Fa tsy nanao izany aho nohon'ny fahatahorako an'Andriamanitra. 16 Nanohy ny asa teo amin'ny manda ihany koa aho, sady tsy nividy tany izahay, ary ny mpanompoko rehetra dia niangona teo hiasa. 17 Ary teo amin'ny latabatro no nisy ireo Jiosy sy ireo manam-pahefana, 150 lahy, ankoatra ireo izay nankany aminay avy tamin'ireo firenena izay manodidina anay. 18 Ary izay nomanina isan'andro dia omby iray, sy ondry voafantina enina, ary vorona ihany koa, ary isaky ny folo andro dia divay maro isan-karazany mitafotafo, kanefa tamin'izany rehetra izany dia tsy mbola nangataka ny anjara sakafon'ny governora aho, satria izany fangatahana izany dia tena navesatra loatra teo amin'ny vahoaka. 19 Tsarovy aho, ry Andriamanitro, amin'ny tsara, noho izay rehetra nataoko ho an'ity vahoaka ity.
Hatramin'ny niasan'izy ireo teo amin'ilay manda dia tsy nanana fotoana firy hividianana sy hambolena sakafo ho an'ireo fianakavian'izy ireo ireo mpiasa. Afaka hazavaina ny hevin'io fanambarana io.
Io dia manondro ireo lehilahy izay niasa nanangana ilay manda.
Ny teny hoe "fitarainana" dia azo avadika ho matoanteny. DH: "nitaraina mafy"
Eto ireo Jiosy dia milaza fa izy ireo dia taranaka Jiosy mitovy amin'ireo Jiosy hafa ihany ary mitovy lanja amin'ireo hafa. Azo hazavaina ny hevitr'izany. DH: "Nefa ny fianakavianay dia Jiosy mitovy amin'ireo fianakaviana Jiosy hafa , ary ireo zanakay dia manan-danja aminay toy ny zanak'izy ireo eo imasony.
Izany dia fomba fiteny izay manondro ny fianakavian'izy ireo. DH: "ny fianakaviany"
DH: "Izahay dia efa nivarotra ny sasany tamin'ireo zanakay vavy ho andevozina"
Hatramin'ny tsy naha teo am-pelantanan'ireo lehilahy ny saha sy tanim-boalobok'izy ireo dia tsy afaka nampitombo vola hamelomana ny fianakaviany intsony izy ireo. Azo atao mazava ny hevin'izany fanambarana izany. DH: "Fa tsy afaka ny hanova ny zava-misy izahay satria efa olona hafa ankehitriny no tompon'ny sahanay sy ny tanim-boalobokay izay ilainay mba ahafahanay mivelona."
Io dia fomba fiteny izay midika fa tsy manana fahefana hanaovana zavatra intsony izy ireo. DH: "tsy manan-kery izahay"
Ny teny hoe "fitarainana" dia azo avadika ho matoanteny. DH: "rehefa nandre azy ireo nitaraina mafy aho"
Ny Jiosy rehetra dia tokony mahafantatra fa mety eo anatrehan'ny lalàna ny maka tombony amin'ny Jiosy hafa. Azo hazavaina ny tena hevi-dehibe amin'io fanambarana io. DH: "Ny tsirairay avy aminareo dia maka tombony amin'ny rahalahiny ihany, ary tsy mety eo anatrehan'ny lalàna izany"
Midika izany fa nanangona vondron'olona maro be izy ary nitondra ireo fitoriana ireo hanoherana azy ireo. Azo hazavaina ny tena hevi-dehibe amin'io fanambarana io. DH: "Nanao fanangonana lehibe aho ary nentiko hanoherana azy ireo fitoriana ireo" na "nentiko ho tsaraina teo anoloan'ny fiangonana izy ireo"
Midika izany fa namidin'izy ireo ho andevon'ireo Jiosy namany ny fianakavian'izy ireo. Azo hazavaina ny tena hevi-dehibe amin'io fanambarana io. DH: "Ankehitriny ianareo dia mivarotra ny vahoakanareo ho andevon'ireo Jiosy namanareo mba ho amidy aminareo ihany avy eo"
DH: "izay namidin'ny olona tamin'ireo firenena mba ho andevo"
Ny teny "aho" eto dia manondro an'i Nehemia.
Ny teny "ianareo" eto dia manondro ireo Jiosy manan-kaja.
Izany dia fanontaniana fampisainana izay nentin'i Nehemia hibedesana ireo manan-kaja. Azo avadika ho fanambarana koa izany. DH: "Ianareo dia tokony andeha amin'ny fahatahorana an'Andriamanitsika mba hisorohana ny fanesoan'ireo firenena izay fahavalontsika."
Izany dia fomba fiteny. Eto ny teny "handeha" dia manondro ny fitondran-tenan'ny olona iray sy ny fomba fiainany. DH: "hiaino amin'ny fomba manome voninahitra an'Andriamanitra ny fiainanao"
Ny teny hoe "fitenenan-dratsy" eto dia midika ho "fanesoana" ary azo avadika ho matoanteny izany. DH:"ireo firenena izay fahavolontsika amin'ny fanesoana antsika" na "ireo firenena fahavalo amin'ny fanesoana antsika"
mampindrana na manome zavatra olona iray aary manantena fa ho averiny izany
Izany dia mety ho vola, sakafo, na tany izay ampindramin'ny olona iray amin'ny olona iray hafa mba ahafahany mamerina ny trosany. Avy eo ilay mpindrana dia ho afa-trosa amin'ilay nampindrana.
Tombony izay tsy maintsy aloan'ilay nindrana amin'ilay mpampindrana.
Eto ny teny "izy ireo" dia manondro ireo mpitarika Jiosy.
Ireo mpitarika Jiosy dia nilaza fa hamerina ireo vola tombony izay naloan'ireo Jiosy tena mahantra.
Eto ny teny "azy ireo" dia manondro ireo mpitarika Jiosy.
Ny teny "aho" eto dia manondro an'i Nehemia.
"Nanakopaka ireo paosin'ny akanjoko aho." Matetika tao amin'ny Testamenta Taloha ny fianianana dia naseho ampahibemaso mba ho vavolombelon'ilay fampanantenana nataon'ilay olona. Nehemia dia nampiseho tamin'ireo mpitarika Jiosy izay hitranga raha toa ka mandika ny fampanantenana nataony izy ireo.
Eto i Nehemia dia miresaka ny fanalan'Andriamantra ny fananan'ireo olona toy ny hoe manotsakotsana hiala amin'ny tranony sy ireo fananany tahaka ny nanakopahan'i Nehemia ny akanjony. DH: "Koa Andriamanitra anie hanala ireo fananana sy tranon'ny lehilahy rehetra izay tsy mitandrina ny fampanantenany tahaka ny nanesorako ny zavatra rehetra teo amin'izay niforitra teo amin'ny akanjoko"
Eto ny "Ahy" dia manondro an'i Nehemia.
taona faharoa - "nanomboka tamin'ny taona faha-20 hatramin'ny 32 taona
"naha mpanjaka an'i Artaksersesy"
"12 taona" na "nandritra ny 12 taona." Naverin'i Nehemia dia namerina ny isan'ny taona mba hanamafisana fa nanao izany foana izy nandritra ny fotoana naha governora.
DH: "nihinana ny sakafo izay nomen'ny olona ho an'ny governora"
"ireo governora teo aloha." Tsy i Nehemia no governora voalohan'i Joda.
"40 sekely"
"Fa nohon'ny fahatahorako an'Andriamanitra dia tsy naka ilay sakafo aho" na "Fa tsy naka tamin'ilay sakafo aho satria natahotra an'Andriamanitra"
Ny teny "aho" eto dia manondro an'i Nehemia.
Ny teny "izahay" eto dia manondro an'i Nehemia sy ireo mpanompony.
DH: "nanangona ny mpanompoko rehetra tany aho"
"hiasa eo amin'ilay manda"
Nehemia no tompon'andraikitra amin'ny famatsiana sakafo ny vahoaka rehetra. Izany dia azo ambara mazava. DH: "isan'andro ihany koa dia izaho no tompon'andraikitra mamahana ireo Jiosy sy manam-pahefana teo amin'ny latabatray, olona 150; ary izahay ihany koa no manome sakafo ireo vahiny izay tonga avy any amin'ireo firenena manodidina anay"
Io dia manondro ny latabatrin'ny governora. Io dia latabatrin'ny kaominina ho an'ny vahoaka sy firesahana ireo olana.
"ireo mpitarika ao amin'ny governemanta"
(jereo: fandikana_isa)
DH: "Isanan'andro dia miteny amin'ireo mpanompoko aho hanomana" na "Isanan'andro dia miteny amin'ireo mpanompoko aho ampandroso ny hena avy amin'ny"
"divay ampy ho an'ny olona rehetra"
"tsy mbola nangataka ny sakafon'ny governora mihitsy aho"
Io dia fomba fiteny. Fangatahana amin'Andriamanitra mba hisaina ny momba azy ary hatsiaro azy. DH: "tadidio aho"
Io dia fomba fiteny io dia fangatahana amin'Andriamanitra mba hanome valisoa azy nohon'ireo soa vitany tamin'ireo vahoaka. DH: "ary omeo valisoa aho" na "ataovy izay mahasoa ahy"
1 Ary rehefa ren'i Sanbala, Tobia, ary Gasema Arabo sy ireo fahavalonay sisa fa efa nanamboatra ny manda indray aho ary tsy nisy faritra triatra nivoha intsony, na dia tsy mbola nanangana ireo varavarana teo am-bavahady aza aho, 2 dia hoy i Sanbala sy Gasema tamiko, nanao hoe: "Andao, andeha isika hihaona any amin'ny lemak'i Ono any ho any." Nefa nikendry ny hanisy ratsy ahy izy ireo. 3 Naniraka mpitondra hafatra tany amin'izy ireo aho, nanao hoe: "Manao asa lehibe aho, ka tsy afaka midina. Nahoana no tokony hitsahatra ny asa raha hilaozako izany ka midina any aminao aho?" 4 Nandefa hafatra mitovy in'efatra tamiko izy ireo, ary novaliako mitovy isaky ny mandefa ireo. 5 Naniraka ny mpanompony taty amiko tahaka izany fanindiminy i Sanbala, nitondra taratasy misokatra teny an-tanany. 6 Voasoratra tao amin'izany hoe: "Voatatitra eo amin'ireo firenena izao, sady ambaran'i Gasema ihany koa, fa mitetika ny hikomy ianao sy ireo Jiosy, ka noho izany no anamboaranao ny manda indray. Araka ny lazain'ireto tatitra ireto, dia efa ho tonga mpanjakan'izy ireo ianao. 7 Efa nanendry mpaminany ihany koa ianao mba hanao izao fanambarana momba anao izao any Jerosalema, manao hoe: 'Misy mpanjaka any Joda!' Mahazo matoky ianao fa ho ren'ny mpanjaka ireo tatitra ireo. Noho izany tongava, andeha isika hifampiresaka." 8 Dia nandefa teny tany aminy aho manao hoe: "Tsy nisy zavatra tahaka izany nitranga araka ny lazainao, fa tao am-ponao ihany no namoronanao ireo." 9 Fa te-hampitahotra anay izy reo, nieritreritra hoe: "Hampiraviravy ny tanan'izy ireo amin'ny fanaovana asa izy ireo, ka tsy ho vita izany." Nefa ankehitriny, ry Andriamanitra, mba atanjaho re ireto tanako." 10 Nankany an-tranon'i Semaia zanaka lahin'i Delaia zanaka lahin'i Mehetabela, izay tsy afa-nihetsika tao an-tranony aho. Hoy izy: "Andeha hihaona any an-tranon'Andriamanitra isika, ao anatin'ny tempoly, ary andeha hidiantsiaka ny varavaran'ny tempoly, satria tonga hamono anao izy ireo. Ho avy hamono anao izy ireo amin'ny alina." 11 Namaly aho hoe: "Lehilahy tahaka ahy ve no andeha handositra? Hiditra ao an-tempoly mba hahazoany manavotra ny ainy ve ny lehilahy tahaka ahy? Tsy hiditra aho!" 12 Tonga saina aho fa tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa naminany nanohitra ahy izy. 13 Nanakarama azy i Tobia sy Sanbala. Nanakarama azy izy ireo mba hampitahotra ahy, mba hanaovako izay lazainy ka hanota, mba hanomezan'izy ireo anarana ratsy ho ahy hanalan'izy ireo baraka ahy. 14 Tsarovy Tobia sy Sanbala, ry Andriamanitro ô, ary izay rehetra nataon'izy ireo. Tsarovy ihany koa Noadia mpaminany vavy sy ireo mpaminany sisa izay nanandrana ny hampitahotra ahy. 15 Koa vita tamin'ny andro fahadimy amby roapolon'ny volana Elola ny manda, taorian'ny roa amby dimapolo andro. 16 Rehefa ren'ireo fahavalonay rehetra izany, ireo firenena rehetra manodidina anay, dia natahotra izy ireo ary lavo mafy teo imason'izy ireo ihany. Fa fantatr'izy ireo fa vita tamin'ny fanampian'ny Andriamanitray ny asa. 17 Tamin'izany fotoana izany dia nandefa taratasy maro tany amin'i Tobia ireo manan-kaja tao Joda, ary tonga tany amin'izy ireo koa ny taratasin'i Tobia. 18 Fa nisy maro tany Joda no voafatotry ny fianianana taminy, satria vinanto lahin'i Sekania zanaka lahin'i Ara izy. Ary Johanana zanany lahy efa nanambady ny zanaka vavin'i Mesolama zanaka lahin'i Berekia. 19 Niteny tamiko momba ireo asa soany ary nitatitra ireo teniko tany aminy ihany koa izy ireo. Nandefasana taratasy avy tamin'i Tobia aho mba hampitahorana ahy.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 2:9.
Nanara-maso ny fananganana ilay manda i Nehemia. Tsy nantsangan'ny tenany irery izany. DH: "mila mamerina manangana ilay manda isika ... mbola tsy"
Io dia manondro ireo faritr'ilay manda. DH: "ireo faritr'ilay manda izay nitriatra" na "izay banga teo amin'ilay manda"
Izany no anaran'ilay toerana.
Nanara-maso ny fananganana ilay manda i Nehemia. Tsy nantsangan'ny tenany irery izany. DH: "Manara-maso asa lehibe aho"
Io dia fanontaniana fampisainana izay nampiasaina mba ho fanamby amin'ny fangatahan'i Sanbala. Azo avadika ho fanambarana koa izany. DH: "Tsy afaka ny hamela ny asa hijanona aho ary hidina ho any aminao"
Ny teny hoe "midina" eto no nampiasaina satria ny lemak'i Ono izay nasain'izy ireo andehanan'i Nehemia dia amin'ny toerana iva noho i Jerosalema.
"in-5"
Ilay taratasy dia taratasy diplomatika tsy misy fitombokase izay natao hifandraisana. Izany dia faniratsirana ilay andefasana satria azon'ilay mpitondra hafatra vakiana izany ary haparitaka amin'ny olona eo amin'ilay faritra.
Midika izany fa efa teny an-tanany ilay taratasy saingy tsy voatery nolanjainy teny an-tanany foana izany. DH: "teny am-pelatanany"
DH: "Ny tsaho eo amin'ilay faritra dia."
Midika izany fa izy ireo dia nikomy hanohitra an'i Arteksersesy mpanjakan'i Persa, izay nampahory ireo Jiosy tamin'io fotoana io. DH: "dia mikasa ny hikomy hanohitra an'i Arteksersesy"
"ho ren'i Arteksersesy"
"Noho izany tongava mihaona aminay"
Eto ny "aho" dia manondro an'i Nehemia ary ny "aminy" an'i Sanbala.
"Tsy nisy nitranga tamin'ireo zavatra nolazainao"
Eto ny "fo" dia manondro ny "ao an-tsaina", izay tao an'eritreritra sy niriana. DH: "fa ny ao an-tsainao no namorona ireo"
Eto ny "izy ireo" dia manondro ireo fahavalon'i Nehemia, Sanbala, Tobia, Gesema, sy ireo mpanaraka azy ireo. Ny teny "anay" dia manondro ireo Jiosy.
Midika izany fa nanatsahatra ny asan'izy ireo teo amin'ilay manda izy ireo. DH: "hanatsahatra ny asa ireo mpanorina"
Eto i Nehemia dia maivavaka amin'Andriamanitra mba ampatanjaka azy amin'ny fangatahana Aminy hoe mba atanjaho ireo "tananany." DH: "atanjaho aho" na "ampaherezo aho"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ny mpanoratra dia tsy nanome ny antony amin'ny tsy nahafahany nietsika, koa tsara raha lazaina fa nijanona tao an-tranony izy. DH: "izay nodidian'ireo manam-pahefana hijanona tao an-tranony"
Nampiasa ireo fanontaniana fampisainana ireo i Nehemia mba hanamafisana fa tsy hanao izay notenenin'i Semaia izy. Ireo fanontaniana ireo dia azo avadika ho fanambara. DH: "Ny lehilahy tahaka ahy dia tsy mandositra. Ary ny lehilahy tahaka ahy dia tsy andeha hiafina ao an-tempoly mba ho velona."
"satria efa naminany"
Ny fampiasana ny tempoly ho toeram-piafenana dia fahotana. DH: "ary hanota amin'ny fampiasana ny tempoly amin'ny tsy tokony ho izy.
Izany dia fomba fiteny. DH: "ka hanome laza ratsy ho ahy izy ireo"
Izany dia fomba fiteny. DH: "Tadidio"
Izany dia anaram-behivavy.
DH: "Vitanay ny manda"
andro fahadimy ny volan'i Elola - "ny andro faha-25 ny volan'i Elola." "Elola" dia ny volana fahenina amin'ny tetiandro Hebreo.
roa andro - "52 andro"
"lasa tsy nahatoky tena izy ireo"
DH: "Andriamanitray no nanampy anay hamita ny asa"
Nandefa mpitondra hafatra Ireo manan-kaja mba hitondra ireo taratasy ho any amin'i Tobia. DH: "nandefa mpitondra hafatra maro niaraka tamin'ireo taratasy"
Eto ny taratasain'i Tobia dia noraisina toy ny hoe zavatra mandeha irery na dia nentin'ireo mpitondra hafatra aza ireo. DH: "nandefa taratasy i Tobia" na "naniraka mpitondra hafatra maro niaraka tamin'ireo taratasy i Tobia"
Io dia miresaka ireo olona tsy nivadi-pitokisana tamin'i Tobia satria izy ireo dia efa nanao fianianana toy ny hoe tady mifatotra amin'ny vatan'izy ireo ilay fianianana. DH: "izay nanao fianianana taminy" na "izay nanao fianianana ary tsy nivadi-pitokisana taminy"
Midika izany fa nanambady ny zanaka vavin'i Sekania i Tobia. Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 3:28 ny anarana "Sekania".
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny nataonao tao amin'n
"Niteny tamiko momba ireo asa tsaran'i Tobia ireo Jiosy manan-kaja ary avy eo niteny taminy momban'ny valinteniko"
Nandefa ireo mitondra hafatra i Tobia mba hitondra ireo taratasy ho any amin'i Nehemia. DH: "nandefa taratasy ahy i Tobia " na "nandefa mpitondra hafatra hitondra taratasy ho ahy i Tobia"
1 Rehefa vita ny manda ary voapetrako tamin'ny toerany ireo varavarana, ary efa voatondro ireo mpiandry vavahady sy mpihira ary ireo Levita, 2 dia nomeko an'i Hanany rahalahiko ny fitantanana an'i Jerosalema, miaraka amin'i Hanania izay nanara-maso ny fiarovana mafy, satria lehilahy mahatoky sy matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro izy. 3 Hoy aho tamin'izy ireo hoe: "Aza sokafana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-piakatry ny masoandro. Raha mbola miambina ireo mpiandry vavahady, dia afaka manidy ny varavarana sy manisy bara ianareo. Manendre mpiambina avy amin'ireo izay mipetraka any Jerosalema, ny sasany any amin'ny toeram-piambenan'izy ireo, ary ny sasany manoloana ireo tranony avy." 4 Ary ilay tanàna dia midadasika sy lehibe, kanefa vitsy ny olona ao amin'izany, ary tsy mbola nisy trano voatsangana. 5 Andriamanitra dia nametraka tao am-poko ny hamoriana ireo manan-kaja, ireo manam-boninahitra, sy ireo vahoaka mba ho soratana anarana araka ny fianakavian'izy ireo. Hitako ilay bokin'ny tetiaran'ireo izay niverina voalohany ary hitako voasoratra tao ireto manaraka ireto. 6 Ireto ny vahoakan'ny faritany izay nandeha niakatra avy tamin'ny fahababoan'ireo sesitany izay nobaboin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona. Niverina tany Jerosalema sy Joda izy ireo, samy amin'ny tanànany avy. 7 Niaraka tamin'i Zerobabela, Jesoa, Nehemia, Azaria, Ramia, Nahanany, Mordekay, Bilsana, Mispereta, Bigvay, Nehoma, ary Bana izy ireo. Ny isan'ireo lehilahin'ny vahoakan'Israely dia ahitana ireto manaraka ireto. 8 2. 172 ny taranak'i Parosy. 9 372 ireo taranak'i Sefatia. 10 652 ireo taranak'i Ara. 11 2. 818 ireo taranak'i Pahatamoaba, avy amin'ny taranak'i Jesoa sy Joaba. 12 1. 254 ny taranak'i Elama. 13 845 ny taranak'i Zato. 14 760 ny taranak'i Zakay. 15 648 ny taranak'i Binoy. 16 628 ny taranak'i Bebay. 17 2. 322 ny taranak'i Azgada. 18 667 ny taranak'i Adonikama. 19 2. 067 ny taranak'i Bigvay. 20 655 ny taranak'i Adina. 21 98 ny taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia. 22 328 ny taranak'i Hasoma. 23 324 ny taranak'i Bezay. 24 112 ny taranak'i Harifa. 25 95 ny taranak'i Gibeona. 26 188 ny olona avy any Betlehema sy Netofa. 27 128 ny olona avy any Anatota. 28 42 ny olona avy any Bet-azmaveta. 29 743 ny olona avy any Kiriata-jearima, Kefira, ary Berota. 30 621 ny olon'i Rama sy Geba. 31 122 ny olon'i Mikmasy. 32 123 ny olon'i Betela sy Ay. 33 52 ny olon'ilay Nebo hafa. 34 1. 254 ny olon'i Elama hafa. 35 320 ny olon'i Harima. 36 345 ny olon'i Jeriko. 37 721 ny olon'i Loda, Hadida, ary Ono. 38 3. 930 ny olon'i Sena. 39 973 ireo mpisorona: dia ny taranak'i Jedaia (avy amin'ny tranon'i Jesoa). 40 1. 052 ny taranak'Imera. 41 1. 247 ny taranak'i Pasora. 42 1. 017 ny taranak'i Harima. 43 74 ireo Levita: dia ny taranak'i Jesoa, Kadmiela, Binoy, ary Hodavia. [1]44 148 ireo mpihira: dia ny taranak'i Asafa. 45 138 ireo mpiandry vavahadin'ny taranak'i Saloma, taranak'i Atera, taranak'i Talmona, taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay. 46 Ireo mpanompon'ny tempoly: dia ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota, 47 ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Sia, ny taranak'i Padona, 48 ny taranak'i Lebana, ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Salmay, 49 ny taranak'i Hanana, ny taranak'i Gidela, ny taranak'i Gahara. 50 Ny taranak'i Reaia, ny taranak'i Rezina, ny taranak'i Nekoda, ny taranak'i Gazama, 51 ny taranak'i Oza, ny taranak'i Pasea, ny taranak'i Besay, 52 ny taranak'i Meonita, ny taranak'i Nefisita. 53 Ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakafa, ny taranak'i Harora, 54 ny taranak'i Bazlita, ny taranak'i Mehida, ny taranak'i Harsa, 55 ny taranak'i Barkosa, ny taranak'i Sisera, ny taranak'i Tema, 56 ny taranak'i Nezia, ny taranak'i Hatifa. 57 Ireo taranaky ny mpanompon'i Solomona: dia ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta, ny taranak'i Perida, 58 ny taranak'i Jala, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Gidela, 59 ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amona. 60 Ireo mpanompon'ny tempoly, sy ireo taranak'ireo mpanompon'i Solomona dia miisa 392. 61 Ireto no olona nandeha niakatra avy any Tela-mela, Tela-harsa, Kerofa, Adona, ary Imera. Kanefa tsy afaka nanaporofo izy ireo fa izy ireo na ireo fianakavian'ny taranak'izy ireo dia taranaka avy amin'Israely: 62 dia ireo taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ary ny taranak'i Nekoda, izay 642. 63 Ireo izay avy amin'ireo mpisorona: dia ny taranak'i Hobaia, Hakoza, ary Barzilay (izay naka ny vadiny avy amin'ireo zanaka vavin'i Barzilay avy any Gileada ary nantsoina tamin'ny anaran'izy ireo). 64 Ireo dia nitady ny firaketan'izy ireo an-tsoratra tamin'ireo nisoratra anarana tamin'ny tetiaran'izy ireo, saingy tsy hita ireo, ka dia voahilika tamin'ny fisoronana ho maloto izy ireo. 65 Avy eo ny governora niteny tamin'izy ireo fa tsy tokony homena alalana hihinana ny fizaran-tsakafon'ireo mpisorona avy amin'ny sorona izy ireo mandra-pitsanganan'ny mpisorona iray miaraka amin'ny Orima sy Tomima. 66 42. 360 ny fitambaran'ny vondrona rehetra, 67 ankoatra ny lehilahy sy mpanompon'izy ireo ary ny mpanompo vavin'izy ireo, izay nisy 7. 337. Nanana mpihira lahy sy vavy 245 izy ireo. 68 736 ny isan'ny soavalin'izy ireo, 245 ny ampondra, 69 435 ny rameva, ary 6. 720 ireo boriky. 70 Ny sasany tamin'ireo lohan'ny fianakavian'ireo razambe dia nanome fanomezana ho an'ny asa. Nomen'ny governora darika volamena arivo, koveta 50, ary akanjo fisoronana 530 ho an'ny rakitra. [2]71 Ny sasany amin'ny lohan'ireo fianakavian'ireo razambe dia nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy 2. 200 ho an'ny rakitra. 72 Ny sisa tamin'ireo vahoaka dia nanome darika volamena roa arivo, sy mane volafotsy roa alina, ary akanjo fisoronana fito amby enimpolo. 73 Noho izany ireo mpisorona, ireo Levita, ireo mpiandry vavahady, ireo mpihira, ny sasany amin'ny vahoaka, ireo mpanompon'ny tempoly, ary ny Israely rehetra dia nipetraka tany amin'ny tanànan'izy ireo. Tamin'ny volana fahafito no nametrahana ny vahoakan'Israely tao amin'ny tanànan'izy ireo."
DH: "rehefa vitanay ilay manda"
Nisy nanampy izany voa vita. DH: "izaho sy ireo hafa no nametaka ireo varavarana"
Ireto avy no mety ho dikany: 1) Notendren'i Nehemia izy ireo. DH: "notendreko amin'ny asan'ireo mpiandry vavahady sy ireo mpihira" na 2) Nisy olon-kafa nanendry azy ireo. DH: "notendren'izy ireo amin'ny asany ireo mpiandry vavahady sy mpihira ary ireo Levita"
Olona napetraka isaky ny vavahady, tompon'andraikitra misahana ny fidirana ao amin'ny tanàna na tempoly, amin'ny fotoana sy antony napetraky ny mpandrindra
mpiventy hira izay mitarika ny fiderana amin'ny lanonana
Ireo dia anaran-dehilahy.
"izay misahana ny fiarovana mafy"
"natahotra an'Andriamanitra noho ireo olona maro hafa"
Ny teny "izy ireo" eto dia manondro an'i Hanany sy Hanania.
Ireto avy no mety ho dikany 1) Hanany sy Hanania no nanao ireo na 2) Hanany sy Hanania niaraka tamin'ny fanampian'ireo mpiandry vavahady no nahavitana ireo na 3) ireo mpiandry vavahady no navita ireo teo ambanin'ny fifehezan'i Hanany sy Hanania.
"rehefa eny amin'ny lanitra ao eny ny masoandro"
"Akatony ireo varavarana ary asio bara ireo raha mbola miambina ireo mpiandry vavahady"
Hadikao toy ny tao amin'ny 7:1
"manakatona ireo vavahady ary manidy azy ireo"
"Manendry mpiambina amin'ireo olona izay niaina tao Jerosalema"
DH: "mbola tsy namerina nanangana ireo trano ny olona"
Eto ny "fon'i" Nemehia dia manondro ny eritreriny sy ny sitrapony. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny DH: "nitarika ahy" na "nanosika ahy"
Io dia boky efa tsy misy intsony.
DH: "ary nahita fa efa nisy olona nanoratra tao anatin'izany"
"Ireto avy ireo taranaka teo amin'io faritra io"
"niverina avy tany"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Nisy fanisam-bahoaka natao rehefa niverina tao Jerosalema avy ireo Isaelitanatao sesitany. Io fehezanteny io dia mampiditra fampahafantarana amin'ny andininy manaraka.
Namerina nanisa ny isan'ny olona izay niverina avy sesitany i Nehemia. Ireo olona dia navondrona isaky ny ankohonany araka ny anaran'ny patriarik'izy ireo. Ilay fanisana no ahitana ny isan'ny lehilahy isaky ny fianakaviana.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Nanohy ny fanisana ireo olona avy natao sesitany i Nehemia.
"izay taranak'i Jesoa sy Joaba"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Nanohy ny fanisana ireo olona avy natao sesitany i Nehemia.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Nanohy ny fanisana ireo olona avy natao sesitany i Nehemia.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Nafohezin'ny mpanoratra io fehezanteny io. DH: "ny taranak'i Atara izay taranak'i Hezekia"
Nanohy ny fanisana ireo olona avy natao sesitany i Nehemia.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-toerana ao Joda.
Nanohy ny fanisana ireo olona avy natao sesitany i Nehemia.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Nanohy ny fanisana ireo olona avy natao sesitany i Nehemia.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Nanohy ny fanisana ireo olona avy natao sesitany i Nehemia.
Ireo rehetra ireo dia anaran-toerana.
Nanohy ny fanisana ireo olona avy natao sesitany i Nehemia.
Ireo rehetra ireo dia anaran-tdehilahy.
Ny teny "trano" eto dia hilazana hoe fianakaviana. DH: "avy amin'ny fianakavian'i Jesoa"
Nanohy ny fanisana ireo olona avy natao sesitany i Nehemia.
Ireo rehetra ireo dia anaran-dehilahy.
Adikao toy ny tao amin'ny 7:1.
Adikao toy ny tao amin'ny 7:1.
Nanohy ny fanisana ireo olona avy natao sesitany i Nehemia.
Ireo rehetra ireo dia anaran-dehilahy.
Io ihany ilay lehilahy nantsoina hoe Siaha tao amin'ny Ezra 2:44.
Ireto andininy ireto dia manohy ny anaran'ireo taranaka izay niverina avy natao sesitany.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireto andininy ireto dia manohy ny anaran'ireo taranaka izay niverina avy natao sesitany.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io no anaran'ilay lehilahy izay nantsoina koa hoe Bazlota tao amin'ny 2:52.
Nanohy ny fanisana ireo olona avy natao sesitany i Nehemia.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Izany no anaran'ilay lehilahy izay nantsoina hoe Hasofereta tao amin'i Ezra 2:55.
Izany no anaran'ilay lehilahy izay nantsoina hoe Peroda tao 2:55.
Nanohy ny fanisana ireo olona avy natao sesitany i Nehemia.
Izany dia fomba fiteny izay manondro ny fandehanana mankany Jerosalema izay eny amin'ny toerana avo noho ny faritra manodidina. DH: "niverina"
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ny "ireo" eto dia manondro ireo taranak'i Hobaia, Hakoza sy Barilay. ( Jereo: 7:61)
DH: "saingy tsy hita izy ireo ny firaketana an-tsoratr'izy ireo"
DH: "nentin'ireo governora toy maloto izy ireo ary tsy navelan'izy ireo hanao ny asa amin'ny maha mpisorona izy ireo"
DH: "mandra-pankatoavan'ilay mpisorona niaraka tamin'i Orima sy Tomima"
Ireo dia vato masina izay lanjain'ny mpisoronabe teo amin'ny fiarovan-tratrany ary nampiasaina mba hafantarana ny sitrapon'Andriamanitra.
Nanohy ny fanisana ireo olona avy natao sesitany i Nehemia.
"olona 42.360 "
"mpihira lahy sy vavy"
Ireo no isan'ireo biby nentina niverina
"lehiben'ireo Patriarika" na "ireo mpitarikan'ireo foko"
"nametraka tao amin'ny rakitra"
"1000 darika"
Ny darika dia vola madinika vita amin'ny volamena izay nampiasain'ny olona tany Persa.
"darika volamena 20000"
Ny mane iray dia antsasa-kilao ny lanjany.
"mane 2000"
akanjo fito - "akanjo fisoronana 67"
Adikao toy ny tao amin'ny 7:1
Adikao toy ny tao amin'ny 7:1
Io dia manondro ireo Israelita sasany izay sady tsy mpisorona no mpiasa ao amin'ny tempoly.
Ireto avy no azo andikana azy. 1) ireo vondron'Israelita izay voatonona ao amin'ity andininy ity na 2) ireo Israelita ambony izay tsy niasa tao an-tempoly.
"volana faha-7". Io no volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny faran'ny volana Septambra sy fiandohan'ny volana Oktobra amin'ny tetiandro tandrefana.
"nipetraka tao amin'ny tanànan'izy ireo"
1 Niangona toy ny olona iray teny ankalamanjana teo anoloan'ny Vavahadin-Drano ny vahoaka rehetra. Izy ireo dia nangataka an'i Ezra mpisorona mba hitondra ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, izay nandidian'i Yaveh an'Israely. 2 Tamin'ny andro voalohan'ny volana fahafito, dia nitondra ny lalàna teo anoloan'ny fiangonana i Ezra mpisorona, na lahy na vavy, ary ireo rehetra izay afaka nihaino sy nahatakatra. 3 Niatrika ny kianja malalaka anoloan'ny Vavahadin-drano izy, ary namaky izany vao maraim-be hatramin'ny mitataovovona, nanoloana ireo lehilahy sy vehivavy, sy izay afaka mahatakatra, ary dia nihaino tsara ilay bokin'ny lalàna ireo olona rehetra. 4 Avy eo Ezra mpanora-dalàna nijoro teo ambonin'ny lampihazo izay namboarin'ny olona ho amin'izany. Nijoro teo ankavanany i Matitia, Sema, Anaia, Oria, Hilkia, ary Mahasela; ary i Pedaia, Misaela, Malkia, Hasoma, Hasbadana, Zakaria, ary Mesolama dia nijoro teo amin'ny ilany ankavia. 5 Nosokafan'i Ezra teo imason'ny olona rehetra ny boky, satria nijoro ambony noho ireo olona izy, ary rehefa nosokafany izany dia nitsangana avokoa ny olona. 6 Ezra dia nanome fisaorana an'i Yaveh, ilay Andriamanitra lehibe, ary ireo olona rehetra nanandratra ny tanany ary namaly hoe: "Amena! Amena!" Avy eo izy ireo nanondrika ny lohan'izy ireo ary nidera an'i Yaveh tamin'ny fametrahana ny tavan'izy ireo tamin'ny tany. 7 Jesoa, Bani, Serebia, Jamina, Akoba, Sabetahy, Hodia, Mahaseia, Kelita, Azaria, Jozabada, Hanana, Pelaia—ireo Levita—dia nanampy ireo olona mba hahatakatra ilay lalàna ihany koa, raha mbola nitoetra teny amin'ny toerany ireo olona. [1]8 Novakian'izy ireo tao amin'ny boky, ny Lalàn'Andriamanitra, nanazava izany tamin'ny fandikana sy fanomezana ny dikan'izany mba hahatakaran'ireo olona ny vakin-teny. 9 Nehemia governora, sy i Ezra mpisorona sy mpanora-dalàna, ary ireo Levita no nandika tamin'ny olona ary niteny tamin'ny olona rehetra hoe: "Masina ity andro ity amin'i Yaveh Andriamanitrareo. Aza misaona na mitomany." Satria nitomany avokoa ny olona rehetra rehefa nandre ireo tenin'ny lalàna. 10 Avy eo Nehemia niteny tamin'izy ireo hoe: "Mandehana amin'ny lalanareo, mihinàna matavy ary misotroa zava-pisotro mamy, ary alefaso amin'izay tsy nahaomana na inona na inona ny sasany amin'izany, fa ity andro ity dia masina amin'ny Tompontsika. Aza malahelo, fa ny fifalian'i Yaveh no herinao." 11 Koa dia nampanginin'ireo Levita ireo olona, nanao hoe: "Mangina! satria masina ity andro ity. Aza malahelo." 12 Ary nandeha tamin'ny lalany ny olona rehetra mba hihinana sy hisotro ary mba hizara sakafo sy hankalaza am-pifaliana lehibe satria takatr'izy ireo ny teny izay nampahafantarina azy ireo. 13 Tamin'ny andro faharoa ireo mpitarika ny fianakavian'ireo razambe avy amin'ny olona rehetra, ireo mpisorona sy ireo Levita, dia tonga niaraka teo amin'i Ezra mpisorona mba handinika lalina ireo tenin'ireo lalàna. 14 Hitan'izy ireo voasoratra tao amin'ny lalàna ny fomba nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy fa ny vahoakan'Israely dia tokony hipetraka anaty lay mandritra ny firavoravoana amin'ny volana fahafito. 15 Izy ireo dia tokony hanao fanambarana eny amin'ny tanàna rehetra, sy ao Jerosalema, manao hoe: "Mandehana eny amin'ny tany havoana, ary mitondrà sampan'oliva sy hazon'olivadia, sy sampan-drotra, sampan-drofia sy sampan-kazo be, mba hanamboarana lay, araka ny voasoratra." 16 Koa nivoaka ny olona ary nitondra ireo sampan-kazo niverina ary nanao lay ho azy ireo, isaky ny tafon'izy ireo avy, teny an-tokotanin'izy ireo, teny amin'ny tokotanin'ny tranon'Andriamanitra, teny amin'ny kianja malalaka anoloan'ny Vavahadin-drano, sy teny amin'ny kianja malalaka akaikin'ny Vavahadin'i Efraima. 17 Ny fiangonan'ireo rehetra izay niverina avy amin'ny fahababoana dia nanamboatra lay ary nipetraka tao anatin'ireo. Fa nanomboka tamin'ny andron'i Josoa zanaka lahin'i Nona hatramin'io andro io, dia tsy nankalaza izany firavoravoana izany ny vahoakan'Israely, koa dia lehibe tokoa ny hafalian'izy ireo. 18 Isan'andro isan'andro ihany koa, nanomboka tamin'ny andro voalohany ka hatramin'ny farany, dia namaky ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra i Ezra. Nitandrina ny firavoravoana nandritra ny fito andro izy ireo ary ny andro fahavalo no fivoriana manetriketrika, mba ho fankatoavana ny lalàna.
Io dia fibangona tokana ny olona rehetra izay tonga. DH: "niara-nivondrona ny olona rehetra"
Izany no anaran'ny vavahady eo amin'ilay manda.
Izany no tokony ho fizaranan'ny boky dimy voalohany ao amin'ny Testamenta Taloha.
Io no volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro voalohan'ny volana fahafito dia manakaiky ny fisasahan'ny volana Septambra amin'ireo tetiandro Tandrefana. DH: "Tamin'ny andro 1 ny volana faha-7"
"nitondra ny bokin'ny lalàna"
Ao anatin'izany ireo ankizy izay efa afaka mahatakatra izay ho vakiana.
Eto ny "izany" dia manondro ny bokin'ny lalàn'i Mosesy.
Ireo rehetra ireo dia anaran-dehilahy.
DH: "Hitan'ny olona rehetra i Ezra nanokatra ilay boky"
"nitondra ny bokin'ny lalàna"
"Izy dia nijoro tamin'ny toerana avo noho ireo olona"
Nitsangana ny olona ho mari-panajana ny tenin'Andriamanitra.
DH: "Nisaotra an'Yaveh i Ezra"
Ireo rehetra ireo dia anaran-dehilahy.
Ny teny "izy ireo" eto dia manondro ireo Levita.
DH: "nandika sy nanazava izany"
"izay novakiana"
Izany dia filazana amin'ny ankapobeny izay manondro fa maro be ireo nitomany teo amin'ireo vahoaka. DH: "fa tena nitomany fatratra ny vahoaka"
DH: "mihinàna sakafo ara-pahasalamana ary misotroa zavatra mamy"
DH: "ny fifalian'Yaveh no hiaro anao" na "ny fifalian'Yaveh no fialofana mafinao"
"aza miteny"
DH: "manaova fifaliana lehibe"
DH: "ny teny izay nambara tamin'izy ireo"
"Tamin'ny andro faha-2" na "ny andro manaraka io"
DH: "mba ahazo"
"amin'ny volana faha-7" Volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo izany. Izany dia mandritra ny faran'ny volana Septambra sy fiandohan'ny volan Oktobra amin'ny tetiandro Tandrefana".
"Izy ireo dia tokony hanambara"
"hazo be raviny"
DH: "araka ny nosoratan'i Mosesy mahakasika izany"
"nanamboatra ny lain'izy ireo"
Ireo no anaran'ny vavahady eo amin'ilay manda.
"teny amin'ny kianja malalaka akaikin'ny vavahadin'i Efraima"
"Hatramin'ny andro i Josoa"
"Nona" dia anaran-dehilahy.
DH: "tena faly ireo olona"
Ity dia mampahafantatra fa izany dia nandritra ny faran'ny erinandron'ny firavoravoana manontolo. DH: "nanomboka ny andro voalohany hatramin'ny faran'ny erinandro"
"nanao firavoravoana izy ireo" na "nankalaza ny firavoravoana izy ireo"
"ny andro faha-8"
Io dia fivoriana masina
Izany dia fampahafantarana fa ilay "lalàna" no didin'Yaveh mahakasika ny fomba hiafaran'ny firavoravon'ny fialofana. DH: "araka ny nandidian'Andriamanitra"
1 Ary tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'io volana io ihany dia nivory sy nifady hanina ny vahoakan'Israely, ary nitafy akanjo fisaonana izy ireo, ary nanosotra vovoka ny lohany. 2 Nanasaraka ny tenany tamin'ireo vahiny rehetra ny taranak'i Israely. Nitsangana ary niaiky ny fahotan'izy ireo sy ireo ratsy nataon'ny razambeny izy ireo. 3 Nitsangana teo amin'ny toerany izy ireo, ary tamin'ny ampahefatry ny andro dia namaky ny tao amin'ny bokin'ny lalàn'i Yaveh Andriamaniny izy ireo. Fa tamin'ny ampahefatry ny andro hafa dia niaiky ny helony sy niankohoka teo anatrehan'i Yaveh Andriamaniny izy ireo. 4 Ireo Levita, Jesoa, Bany, Kadmiela, Sebania, Bony, Serebia, Bany, ary Kenany, dia nijoro teo amin'ny tohatra ary niantso tamin'ny feo avo an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. 5 Ary ireo Levita, Jesoa, sy Kadmiela, Bany, Hasbania, Serebia, Hodia, Sebania, ary Petahia, nanao hoe: "Mitsangàna ary miderà an'i Yaveh Andriamanitrareo mandrakizay doria." Hisaotra ny anaranao be voninahitra anie izy ireo, ary asandratra ambonin'ny fisaorana sy fiderana rehetra anie izany. 6 Ianao no Yaveh. Ianao irery ihany. Ianao no nanao ny lanitra, ny lanitra avo indrindra, mbamin'ny miaramilany rehetra, sy ny tany sy izay rehetra eo aminy, ary ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy. Nanome aina azy rehetra Ianao, ary ny miaramilan'ny lanitra manompo Anao. 7 Ianao no Yaveh, ilay Andriamanitra izay nifidy an'i Abrama, sy nitondra azy nivoaka an'i Oran'ny Kaldeana, ary nanome azy ny anarana Abrahama. 8 Ianao dia nahita fa nahatoky teo anatrehanao ny fony, ary Ianao nanao fanekena taminy mba hanome ny tanin'ireo Kananita, ireo Hetita, ireo Perizita, ireo Jebosita, ary ireo Girgasita ho an'ny taranany. Nitàna ny fampanantenanao Ianao satria Ianao dia marina. 9 Nahita ny fahorian'ny razanay tany Egypta Ianao, ary nahare ny fitarainan'izy ireo teo amin'ny Ranomasina Mena. 10 Nanome ireo famantarana sy fahagagana manohitra an'i Farao, sy ny mpanompony rehetra, ary ny olona rehetra tao amin'ny taniny Ianao, satria Ianao dia nahalala fa ireo Egyptiana dia nanao fihetsika an'avona tamin'izy ireo. Kanefa nanao anarana ho Anao Ianao izay mijoro mandrak'ankehitriny. 11 Ary nanasaraka ny ranomasina teo anoloan'n'izy ireo Ianao, mba hahafahan'izy ireo mandeha afovoan'ny ranomasina amin'ny tany maina; ary nanipy ireo izay nanenjika azy ireo ho any amin'ny lalina, tahaka ny vato atsipy anaty rano lalina Ianao. 12 Tamin'ny andrin-drahona no nitondranao azy ireo tamin'ny andro, ary andrin'afo kosa mandritra ny alina mba hitsilo ny lalana halehan'izy ireo. 13 Nidina tao an-tendrombohitra Sinay Ianao ary niresaka tamin'izy ireo avy tao amin'ny lanitra ary nanome azy ireo fitsipika mahitsy sy lalàna marina, baiko sy didy tsara. 14 Nampafahantarinao azy ireo ny andro Sabata masinao, ary nanome azy ireo didy, sy fitsipika, ary lalàna tamin'ny alalan'i Mosesy mpanamponao Ianao. 15 Nanome mofo avy any an-danitra azy ireo Ianao nohon'ny hanohanany, ary rano avy tamin'ny vatolampy nohon'ny hetahetany, ary Ianao niteny azy ireo mba hiditra haka ny tany nianiananao mba homena azy ireo. 16 Fa tsy nanaja anao izy ireo sy ny razanay, ary mafy loha, sady tsy nihaino ireo didinao izy ireo. 17 Nandà tsy hihaino izy ireo, ary tsy nisaina momba ireo fahagagana izay efa nataonao tamin'izy ireo, fa lasa mafy loha, ary tamin'ny fikomian'izy ireo dia nanondro mpitarika hiverina amin'ny fanandevozana izy ireo. Fa Ianao dia Andriamanitra izay feno famelan-keloka, be fahasoavana sy fangorahana, tsy mora tezitra, ary feno fitiavana tsy miova. Tsy nandao azy ireo Ianao. 18 Na dia efa nanana ilay ombilahy kely an'idina aza izy ireo ary nanao hoe: 'Ity no Andriamanitrareo izay nitondra anareo niakatra niala tany Egypta,' ary efa nanao faniratsirana lehibe, Ianao, tamin'ny fangoraham-ponao 19 dia tsy nandao azy ireo tany an'efitra. Ny andrin-drahona mitarika azy ireo amin'ny lalana dia tsy mba nandao azy ireo nandritra ny andro, na ny andrin'afon'ny alina mba hanazava ny lalan-kalehan'izy ireo. 20 Nomenao azy ireo ny Fanahinao tsara mba hampianatra azy ireo, ary tsy niaro ny mananao tsy ho eo amin'ny vavan'izy ireo Ianao, ary ny rano nomenao azy ireo nohon'ny hetahetany. 21 Nandritra ny efapolo taona no namatsianao azy ireo tany an'efitra, ary tsy ory na inona na inona izy ireo. Ny akanjon'izy ireo dia tsy tonta ary ny faladian'izy ireo dia tsy nivonto. 22 Nanome fanjakana sy vahoaka ho azy ireo Ianao, tamin'ny fanendrena azy ireo isaky ny vazan-tany. Ary naka ny tanin'i Siona mpanjakan'i Hesbona sy ny tanin'i Oga mpanjakan'i Basana ho fananana izy ireo. 23 Nataonao maro isa tahaka ny kintan'ny lanitra ny zanak'izy ireo, ary nentinao tany amin'ny tany izay nolazainao ny razambeny mba handehanana sy alaina ho fananana izy ireo. 24 Koa niditra ny vahoaka ary naka ny tany ho fananana ary Ianao nandresy ireo mponin'ny tany, dia ireo Kananita teo anatrehan'izy ireo. Nomenao ireo mba ho eo an-tanan'izy ireo, miaraka amin'ny mpanjakan'izy ireo sy ny vahoakan'ny tany, mba hahafahan'i Israely manao izay mahafinaritra azy eo amin'izy ire. 25 Nambabo ireo tanàna mimanda sy ny tany mamokatra izy ireo, ary nambabo ireo trano feno zava-tsoa, famorian-drano efa voahady, ireo tanim-boaloboka sy tanin'oliva, ary hazo fihinam-boa maro. Ary nihinana sy afa-po sy niha-natavy ary nanao izay nahafaly azy izy ireo nohon'ny fahatsaranao lehibe. 26 Ary lasa tsy mpankatò izy ireo ary nikomy hanohitra Anao. Natsipin'izy ireo tany an-damosiny ny lalànao. Namono ireo mpaminaninao izay nampitandrina azy mba hiverina aminao izy ireo, ary nanao faniratsirana lehibe izy ireo. 27 Koa natolotrao teny am-pelatanan'ny fahavalony, izay nampijaly azy izy ireo. Tamin'ny fotoana nijaliany, dia nitaraina taminao izy ireo, ary Ianao nandre azy ireo avy any an-danitra, ary nohon'ny famindram-ponao lehibe dia nandefa mpamonjy mba hanavotra azy ireo eo an-tanan'ireo fahavalony Ianao. 28 Fa rehefa avy nitsahatra izy ireo, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray, ary nandao azy ireo teo an-tanan'ny fahavalony Ianao, noho izany dia nifehy azy ireo ny fahavalony. Kanefa rehefa niverina sy nitaraina taminao izy ireo, dia nandre avy any an-danitra Ianao, 29 ary matetika Ianao no namonjy azy ireo nohon'ny famindram-ponao. Nampitandrina azy ireo ny amin'ny mba hiverenan'izy ireo amin'ny lalànao Ianao. Kanefa niavonavona sy tsy nihaino ny didinao izy ireo. Nanota nanohitra ny fitsipikao izay nanome aina ho an'izay nankatò azy izy ireo. Nanamafy ny hatony sy nampihemotra ny sorony ary nandà tsy hihaino izy ireo. 30 Fa taona maro no nandeferanao sy nampitandremanao azy ireo tamin'ny alalan'ireo mpaminaninao. Kanefa tsy nihaino izy ireo. Koa dia natolotrao ho eo an-tanan'ireo mponina manodidina izy ireo. 31 Kanefa nohon'ny halehiben'ny famindram-ponao dia tsy nandringana azy tanteraka Ianao, na nahafoy azy ireo, satria Ianao dia Andriamanitra be fahasoavana sy be indrafo. 32 Ary noho izany, ry Andriamanitray—Ianao lehibe, mahery, ary mahatahotra izay nitandrina ny fanekenao sy ny fitiavanao tsy miovaova—aoka tsy ho kely Aminao izao zava-tsarotra rehetra izay nihatra taminay, tamin'ireo mpanjakanay, tamin'ireo andrian-dahinay, sy tamin'ireo mpisoronay, sy tamin'ireo mpaminaninay, sy tamin'ireo razambenay, ary tamin'ny vahoakanao rehetra hatramin'ny andron'ny mpanjakan'i Asyria ka mandrak'androany izao. 33 Ianao dia marina tamin'izay rehetra nanjo anay, satria Ianao dia nitondra am-pahatokiana, kanefa izahay no nanao fihetsika naneho faharatsiana. 34 Ireo mpanjakanay, ireo andrian-dahinay, ireo mpisoronay, ary ireo razambenay dia tsy nitandrina ny lalànao, na nitandrina ireo didy sy ireo lalàm-panekena izay nampitandremanao azy ireo. 35 Na dia tamin'ny fanjakan'izy ireo manokana aza, raha nankafy ny soa lehibe nataonao taminy izy ireo, tamin'ny tany malalaka sy mamokatra izay nataonao teo anatrehan'izy ireo, dia tsy mba nanompo Anao izy ireo na niala tamin'ireo fomba ratsiny. 36 Ankehitriny izahay dia andevo amin'ny tany nomenao ny razambenay mba hankafy ny vokatra sy ny fanomezana tsaran'izany, ary indro, andevo ao amin'izany izahay! 37 Ny mpanan-karena nahazo tombony tamin'ny taninay dia mankany amin'ny mpanjaka izay napetrakao mba hanjaka eo aminay nohon'ny fahotanay. Izy ireo dia manapaka eo amin'ny tenanay sy ny biby fiompinay araka izay tiany. Anaty fahoriana lehibe izahay. 38 Noho izany rehetra izany, dia manao fanekena an-tsoratra entitra izahay. Ao amin'ny antontan-taratasy voatombo-kase ny anaran'ireo andrian-dahinay, ireo Levita, ary ireo mpisorona."
tamin'ny andro fahefatra io volana io ihany - "tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana" Izany dia manakaiky ny antsasaky ny volana Oktobra amin'ny tetiandro Tandrefana.
"tonga niaraka ireo vahoakan'Israely"
Izany dia fampisehoana fialan-tsiny tamin'ireo zava-dratsy efa vitan'izy ireo sy ny razamben'izy ireo.
"Ireo Israelita"
"tsy hifandray amin'ireo izay tsy Israelita"
"Niaiky ny ratsy vitan'izy ireo sy ireo zava-dratsy vitan'ny razamben'izy ireo"
Nitsangana ny Israelita rehetra
"Niaiky ny ratsy vitan'izy ireo sy ireo"
"ary nidera"
Misy amin'ireo dikan-teny mandika hoe: "Jesoa; Bany ... nijoro teo amin'ireo seza namboarina ho an'ireo Levita"
anaran-dehilahy ireo
Eto ireo Levita dia miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
"misaotra an'Yaveh"
anaran-dehilahy ireo. Adikao toy ny tao amin'ny 9:3.
anaran-dehilahy ireo
niresaka tamin'i Yaveh ireo Levita. "Hidera ny anaranao be voninahitra anie ny vahoakan'ny Joda, ry Yaveh"
ny "miaramilan'ny lanitra" dia sarinteny nentina ilazana ireo kintana maro be ho toy ny tafika. Ireo kintana ihany koa dia sarinteny manondro ireo anjely maro be. Ny "hanompo an'i Yaveh ireo kintana" dia sarinteny hilazana hoe hanompo an'i Yaveh ireo anjely.
Nanohy ny fivavany teo anoloan'ny vahoaka rehetra ireo Levita.
"Ora izay nipetrahan'ny vondron'olona Kaldeana"
Ny fo, ny ao anatin'ny olona iray dia hitarafana ny olona iray. DH: "Hitanao fa izy dia nahatoky tanteraka anao"
anarana vondron'olona
Amin'ity andininy ity, ireo Levita dia manohy midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
Nahita ... ry Yaveh
Nitsapana ny fon'i Farao ireo areti-mandringana, ary lasa vavolombelon'ny hamafisan'ny fony izy ireo. DH: "ireo famantarana sy fahagagana izay nijoro vavolombelona hanohitra an'i Farao" na "ireo famantarana sy fahagagana izay manameloka an'i Farao"
"ny Egyptianina rehetra"
"dia niavona tamin'ireo Israelita" na "nampijaly ireo olona voafidin'Andriamanitra"
Izany dia fomba iray hafa hilazana hoe "nampiseho ny toetranao tamin'izao tontolo izao Ianao" na "nampiseho ny fahefanao Ianao"
"izay mbola tsarahan'ny olona"
Amin'ity andininy ity, ireo Levita dia manohy midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
Andriamanitra no nanasaraka
Amin'ny ity fanoharana ity ny mpanoratra dia mitantara ny nanipazan'Andriamanitra mora foana ireo Egyptianina tany an-dranomasina toy ny olona manipy vato anaty rano ka hanjavona tanteraka any ambanin'ny rano ilay vato.
Amin'ity andininy ity, ireo Levita dia manohy midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
nentin'i Yaveh ireo Israelita.
Rehefa miresaka amin'ny vahoakany Andriamanitra dia matetika izy lazaina fa "midina" na "midina avy any an-danitra"
Ireo fehezanteny roa ireo dia milaza zavatra iray ihany dia ny lalàn'i Mosesy.
Amin'ity andininy ity, ireo Levita manohy dia midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
Ireo teny telo ireo dia manondro ny lalàn'i Mosesy.
Amin'ity andininy ity, ireo Levita dia manohy midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
ireo Israelita tamin'ny andron'i Mosesy sy ireo vahoakan'Israely taorian'ny andron'i Mosesy
Raha adika ara-bakiteny izany dia "nanamafy hatoka izy ireo." Raha manana fomba fiteny hafa ilazana ny fahamafisan-doha ianao dia azonao atao ny mampiasa izany.
"ireo fahagagana izay nataonao teoamin'izy ireo"
"nanendry mpitarika hitondra azy ireo any amin'ny tany izay efa nanandevozana azy izy ireo."
Ny fananana famelan-keloka eto dia resahina toy ny rano izay afaka hamenona famatrarana iray. DH: "izay vonona ny hamela heloka"
Ny fitiavana eto dia resahina toy ny sakafo izay afaka zarain'i Yaveh amin'ny olona. DH: "tena tia ny olony"
Amin'ity andininy ity, ireo Levita dia manohy midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
Tsy nandao ireo Israelita i Yaveh.
vy natsonika ary novolavolaina mba hamoaka endrik'ombilahy kely
Adikao toy ny tao amin'ny 9:12.
Amin'ity andininy ity, ireo Levita dia manohy midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
Ny mpanoratra dia manova ny filahatr'ireo teny mahazatra mba hanamafisana ireo zavatra tsara nomen'i Yaveh an'ireo vahoaka. Ny fiteninao dia mety manana fomba hafa hanamafisana azy ireo.
Izany fanalefan-kevitra izany azo adika amin'ny fomba hafa. DH: "ary ianao dia nanome am-pitiavana azy ireo ny mana"
Ny vava eto dia nentina nilazana ilay olona manontolo. DH: "azy ireo"
Amin'ity andininy ity, ireo Levita dia manohy midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
Nanome fanjakana ho an'ireo Israelita.
"nanampy azy ireo ahazo fanjakana sy vahoaka"
"nanampy azy ireo hanana ny ampahan-tany rehetra"
Ireo dia anarana mpanjaka.
Ireo dia anarana toerana.
Amin'ity andininy ity, ireo Levita dia manohy midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
Nataon'i Yaveh ... ny taranak'ireo Israelita tamin'ny andron'i Mosesy
Ireo Kananita eto dia resahina toy ny zavatra kely izay afaka atolotry ny olona eny am-pelatanan'ny olona iray hafa. Manome zavatra eny am-pelatanan'ny olona iray ka hananan'izany olona izany fahefana feno amin'ilay zavatra. DH: "nahatonga ireo Israelita hanana fahefana feno eo amin'izy ireo"
Amin'ity andininy ity, ireo Levita dia manohy midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
Nambabo ... ireo Israelita tamin'ny andron'i Mosesy
lavaka eo amin'ny tany izay fitahirizan'ny olona rano
Izany dia mety sarinteny hilazana fa "nitsahatra tsy nieritreritra an'i Yaveh" na "lasa afa-po"
Amin'ity andininy ity, ireo Levita dia manohy midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
Ny lalàna eto dia resahina toy ny zavatra tsy manan-danja izay afaka atsipin'ny olona iray. DH: "noraisin'izy ireo ho tsy manan-danja ny lalànao ary tsy norarahin'izy ireo"
Natsipin'ireo Israelita ny lalàn'i Yaveh.
Eto "ny tanana" dia manondro tanjak'ireo "fahavalo" mba hamotehana. DH: "navelanao ho potehin'ireo fahavalony izy ireo"
Eto "ny tanana" dia manondro tanjak'ireo "fahavalo" mba hamotehana. DH: "nandefa olona mba ampitsahatra ny famotehan'ireo fahavalony Ianao"
Amin'ity andininy ity, ireo Levita dia manohy midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
Eto ny "izy ireo" dia manondro ireo Israelita ary ny "...nao" an'i Yaveh.
Eto "ny tanana" dia manondro tanjak'ireo "fahavalo" mba hamotehana. DH: "navelanao ho potehin'ireo fahavalony izy ireo"
Raha manana teny hafa akotran'ny "mihaino" ny fiteninao izay midika koa hoe "mankatoa" dia ampiasao izany eto.
Ny tenan'i Yaveh eto dia resahina toy ny hoe izy tenany no lalàna. DH: "na izany aza Ianao dia nanome aina izay nankatoa ireo didinao"
Amin'ity andininy ity, ireo Levita dia manohy midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
Eto "ny tanana" dia manondro tanjak'ireo "mponina manodidina" mba hamotehana. DH: "navelanao ho potehin'ireo fahavalony izy ireo"
natolotr'i Yaveh
"tsy namotika azy ireo Ianao"
Amin'ity andininy ity, ireo Levita dia manohy midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
Azo atao ny mizara izany ho lasa fehezanteny roa. "aoka tsy ho kely Aminao izao zava-tsarotra izao. Ny zava-tsarotra izay nihatra taminay ... mandrak'androany"
Ny andian-teny hoe "nihatra taminay" eto dia miresaka ireo zava-dratsy izay nitranga toy ny olona izay mahatonga fanimbana.
Amin'ity andininy ity, ireo Levita dia manohy midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
"raha nankafy ireo zava-tsoa nomenao azy ireo"
"tsy mankato ny didy na ny fampianaranao intsony izy ireo"
Amin'ity andininy ity, ireo Levita dia manohy midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
"ny zava-tsoa rehetra ao anatin'izany" na "ny zava-tsoa rehetra izay azontsika tsoahina avy amin'izany"
"manome mari-pahatsiarovana ho an'ireo mpanjaka isika amin'ny fiasana eo amin'ny tanintsika"
Ny mpanjaka dia nanapaka
Amin'ity andininy ity, ireo Levita dia manohy midera an'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely.
Noho izany dia tsy nankatoa ireo olona ary fia nosazian'i Yaveh
Ny mpamaky dia tokony ahafantatra fa nosoratan'ireo lehilahy teo amin'ilay antonta-taratasy ny anaran'izy ireo mialohan'ny nanasina fitombokase izany.
1 Ao amin'ireo antontan-taratasy voatombo-kase i Nehemia, governora, zanaka lahin'i Hakalia Zedekia, 2 Seraia, Azaria, Jeremia, 3 Pasora, Amaria, Malkia, 4 Hatosy, Sebania, Maloka, 5 Harima, Meremota, Obadia, 6 Daniela, Ginetona, Baroka, 7 Mesolama, Abia, Miamina, 8 Mazia, Bilgay, ary Semaia. Ireo no mpisorona. 9 Ireo Levita dia: Jesoa zanaka lahin'i Azania, Binoy avy amin'ny fianakavian'i Henadada, Kadmiela, 10 ary ireo Levita namany dia i Sebania, Hodia, Kelita, Pelaia, Hanana, 11 Mika, Rehoba, Hasabia, 12 Zakora, Serebia, Sebania, 13 Hodia, Bany ary Benino. 14 Ireo mpitarika ny olona dia: Parosy, Pahata-moaba, Elama, Zato, Bany, 15 Bony, Azgada, Bebay, 16 Adonia, Bigvay, Adina, 17 Atera, Hezekia, Azora, 18 Hodia, Hasoma, Bezay, 19 Harifa, Anatota, Nebay, 20 Magpiasy, Mesolama, Hezira, 21 Mesezabela, Zadoka, Jadoa, 22 Pelatia, Hanana, Anaia, 23 Hosea, Hanania, Hasoba, 24 Halohesy, Pila, Sobeka, 25 Rehoma, Hasabna, Mahaseia, 26 Ahia, Hanana, Anana, 27 Maloka, Harima, ary Bana. 28 Fa ny olona sisa, izay mpisorona, Levita, mpiandry vavahady, mpihira, mpanompon'ny tempoly, sy ny rehetra izay nanasaraka ny tenany tamin'ireo olona teo amin'ny tany manodidina sy nanokan-tena ho an'ny lalàn'Andriamanitra, anisan'izany ireo vadiny, ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy, ireo rehetra manam-pahalalana sy fahazavan-tsaina, 29 niara-nitambatra tamin'ireo rahalahiny, ireo olona ambony izy ireo, ary namatotra ny tenany tamin'ny ozona sy ny fianianana ny handeha amin'ny lalàn'Andriamanitra, izay nomen'i Mosesy mpanompon'Andriamanitra, ary mba handinika sy hankato ny didin'i Yaveh Tompontsika sy ny fitsipiny ary ireo lalàny rehetra. 30 Nianiana izahay fa tsy hanome ny zanakay vavy ho an'ny mponin'ny tany na haka ny zanak'izy ireo vavy ho an'ny zanakay lahy. 31 Nianiana ihany koa izahay fa raha mitondra entam-barotra na mety ho vary hamidy ireo mponin'ny tany amin'ny andro Sabata, dia tsy hividy amin'izy ireo amin'ny andro Sabata na amin'izay andro masina izahay. Isaky ny fito taona no hampakanay aina ny taninay, ary ho foananay ireo trosa rehetra izay nifanarahanay tamin'ireo Jiosy hafa. 32 Ekenay ny fandidiana ny hanomezana ny ampahatelon-tsekely isan-taona ho an'ny fanompoana ny tranon'ny Andriamanitray, 33 ho famatsiana ho an'ny mofon'ny fanatrehana, sy ho an'ny fanatitra hohanina tsy tapaka, ny fanatitra dorana amin'ny andro Sabata, ireo fetin'ny voaloham-bolana sy ireo andro firavoravoana voatondro, sy ho an'ireo fanatitra masina, sy ho an'ireo fanatitra nohon'ny fahotana ho fanavotana ho an'ny Israely, mbamin'izay rehetra asa ho an'ny tranon'ny Andriamanitray. 34 Nanao filokana ho an'ny fanatitra kitay ireo mpisorona, ireo Levita, sy ny vahoaka. Ireo filokana no hifidy ny amin'izay fianakavianay hitondra ny kitay ho ao an-tranon'ny Andriamanitray amin'ny fotoana voatondro isan-taona, mba ho dorana eo amin'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitray, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna. 35 Nianiana ny hitondra ireo voaloham-bokatra izay maniry avy amin'ny taninay, sy ireo voaloham-bokatry ny hazo rehetra isan-taona ao an-tranon'i Yaveh izahay. 36 Araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna, nianiana ny hitondra ny voalohan-terak'ireo zanakay lahy sy ireo omby sy ny ondry aman'osinay ao an-tranon'Andriamanitra sy ho eo amin'ireo mpisorona izay manompo ao izaha. 37 Ho entinay ny voalohan-kobanay sy ny fanatitra hohanina, ary ny voan'ny hazo rehetra, sy ny divay vaovao ary ny diloilo izay entina eo amin'ireo mpisorona, ho any amin'ny efitra fitehirizan'ny tranon'ny Andriamanitray. Ho entinay eo amin'ireo Levita ireo ampahafolon'ny avy amin'ny taninay satria ireo Levita dia manangona ny ampahafolon-karena eo amin'ireo renivohitra rehetra izay hiasanay. 38 Tsy maintsy misy mpisorona, taranak'i Arona miaraka amin'ireo Levita rehefa mandray ny ampahafolon-karena izy ireo. Ireo Levita dia tsy maintsy mitondra ny ampahafolo amin'ny ampahafolon-karena ho ao amin'ny tranon'ny Andriamanitray ho any amin'ny efitra fitehirizan'ny fandatsahan-drakitra. 39 Ny olon'Israely sy ireo taranak'i Levy no mitondra ireo fandraisana anjara amin'ny vary, divay vaovao, ary diloilo any amin'ny efitra fitehirizana izay hitehirizana ny zavatra masina sy izay hanompoan'ny mpisorona, sy ireo mpiandry vavahady, ary hitoeran'ireo mpihira. Tsy ho ataonay antsirambina ny tranon'ny Andriamanitray.
Azonao atao ny mameno ny teny tsy feno. "teo amin'ireo antontan-taratasy voatombo-kase no nisy ny anaran'ireto olona manaraka ireto:"
Misy olona mino fa i Nehemia no nanorara ity boky ity ary miresaka ny tenany toy ny olona hafa satria ity dia lisitra ofisialy.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 1:1.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Izany dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 3:22 izany.
Io dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 1:1.
Amin'ity andininy ity i Nehemia dia mitanisa ny anaran'ireo mpisorona izay nanao sonia ilay antotan-taratasy voatombokase.
ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 3:8.
ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 9:3.
ireo dia anaran-dehilahy.
Izany dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 3:11 izany.
Izany dia anaran-dehilahy; Adikao toy ny tao amin'ny 3:3
Izany dia anaran-dehilahy; Adikao toy ny tao amin'ny 3:2O
Izany dia anaran-dehilahy; Adikao toy ny tao amin'ny 3:28.
Io dia manondro ny lisitr'ireo lehilahy teo aloha izay nanao sonia ilay antotan-taratasy. DH: "Ireo no anaran'ireo mpisorona izay nanao sonia ilay antotan-taratasy"
Amin'ity andininy ity i Nehemia dia mitanisa ny anaran'ireo mpisorona izay nanao sonia ilay antotan-taratasy voatombokase.
Izany dia manondro ireo izay nanoratra ny anarany tao amin'ilay antotan-taratasy. D: "Ireo Levita izay nanoratra ny anarany tao amin'ilay antotan-taratasy.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 3:18.
ireo dia anaran-dehilahy.
o dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 3:22.
ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 7:43
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 9:3
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 8:6.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 7:46
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 10:9.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 3:16.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 3:1.
Io dia manondro ireo izay nanoratra ny anarany tao amin'ny antontan-taratasy voatombokase. DH: "Ireo mpitarika ny olona izay nanoratra ny anarany tao amin'ny antontan-taratasy voatombokase"
Izany dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 3:25.
Izany dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 3:25.
Anaran-dehilahy ireo. Adikao toy ny tao amin'ny 7:11.
Amin'ity andininy ity i Nehemia dia mitanisa ny anaran'ireo olona izay nanao sonia ilay antotan-taratasy voatombokase.
Izany dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 9:3.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 7:15.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Izany dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 7:6.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 7:19.
Izany dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 8:6.
Izany dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 7:23.
Izany dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 7:27.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 3:3.
Amin'ity andininy ity i Nehemia dia mitanisa ny anaran'ireo mpisorona izay nanao sonia ilay antotan-taratasy voatombokase.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Izany dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 7:46.
Izany dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 3:8.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 3:11.
Izany dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 3:16.
Izany dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 3:22.
Ireo dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 10:4.
Izany dia anaran-dehilahy. Adikao toy ny tao amin'ny 7:6.
Olona napetraka isaky ny vavahady, tompon'andraikitra misahana ny fidirana ao amin'ny tanàna na tempoly, amin'ny fotoana sy antony napetraky ny mpandrindra. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 7:1.
"Mpihiran'ny tempoly"
Azo hazavaina io fehezanteny io. DH: "ny rehetra izay efa ampy taona ka afaka mahatakatra ny dikan'ny fankatoavana an'Andriamanitra"
"'ireo rahalahy mpiaraka amin'izy ireo, ny olona ambonin'izy ireo.
Io dia miresaka ny olona maka ny fianianana sy ny ozona toy ny hoe tady izay mamatotra azy ireo. DH: "nanao fianianana sy niantso ozona ho an'ny tenany izy ireo" na "nanao fianianana ary niantso ozona ho an'ny tenany izy ireo raha toa ka tsy mahatandrina izany"
Izany dia fomba fiteny. DH: "hiaina amin'ny didin'Andriamanitra" na "hankatoa ny didin'Andriamanitra"
DH: "izay efa nomen'i Mosesy mpanompon'Andriamanitra an'Israely"
"mba hanaraka"
Ao amin'ireto andininy ireto ny vahoaka dia milaza ny ao anatin'ilay fianianana nataon'izy ireo tao amin'ny 10:28.
Midika izany fa izy ireo dia tsy hamela ny zanak'izy reo lahy sy vavy hanambady azy ireo. DH: "tsy hanome ny zanakay vavy hanambady na haka vady ny zanaka vavy ny olona ao amin'io tany io"
Io dia manondro ny olona izay miaina ao amin'ny tany izay tsy manompo an'Yaveh. DH: "ny olona ao amin'ilay tany izay tsy manompo an'i Yaveh"
Ao anatin'ny "izahay" eto i Nehemia sy ireo olona Jiosy, fa tsy ny mpamaky ity boky ity.
"7 taona"
Izany dia fomba fiteny. DH: "tsy hiasa an'ireo sahanay izahay" na "tsy hamboly na inona na inona eo amin'ireo sahanay izahay"
"hanafona ny trosa rehetra amin'ireo Jiosy sasany izahay" na "hanadino ny trosa rehetra anananay amin'ireo Jiosy hafa izahay"
Ao amin'ireto andininy ireto ny vahoaka dia milaza ny ao anatin'ilay fianianana nataon'izy ireo tao amin'ny 10:28.
"Mampanantena fa hankatoa ny didy izahay"
Eto dia ao anatin'ny "izahay" ny Israelita rehetra ao anatin'izany i Nehemia ankoatran'ireo mpisorona sy ireo Levita, ary tsy ao anatin'izany ihany koa ny mpamaky ity boky ity
"1/3 sekely." "ny ampahatelony" dia midika hoe ny ampahany fahatelo amin'ny zara mitovy. DH: "volafotsy 5 grama"
"andoa ny saran'ny fikarakarana"
Io dia manondro ireo mofo 12 nandrahoana tsy nasiana lalivay natao tao amin'ny tempoly ary nampiasaina mba hanamarihana ny fanatrehan'Andriamanitra miaraka amin'ny vahoakany.
Ireo dia firavoravoana ankalazaina isakin'ny tsinana ny volana.
Ao amin'ireto andininy ireto ny vahoaka dia milaza ny ao anatin'ilay fianianana nataon'izy ireo tao amin'ny 10:28.
DH: "ho doran'ireo Levita"
DH: "araka ny efa nambara"
"eo amin'ny taninay"
Ao amin'ireto andininy ireto ny vahoaka dia milaza ny ao anatin'ilay fianianana nataon'izy ireo tao amin'ny 10:28.
Eto dia ao anatin'ny "...nay" i Nehemia sy ireo Israelita ankoatra ireo mpisorona sy ireo Levita, ary koa ny mpamaky ity boky ity.
Ny koba dia "voamaina"
DH: "ary ny lohany amin'ny divay vaovao sy ny diloilo" na "ary ny tsara indrindra amin'ny divay vaovao sy ny diloilo"
DH: "nanome azy ireo ireo ampahafolon-karena ny vahoaka"
Izany dia ny ampahany iray amin'ilay zara 10 mitovy.
"ny efitra fitehirizana tao amin'ny tempoly"
Ao amin'ireto andininy ireto ny vahoaka dia milaza ny ao anatin'ilay fianianana nataon'izy ireo tao amin'ny 10:28.
DH: "ireo efitra izay hitehirizan'ireo mpisoronaireo zavatra izay ampiasaina ao amin'ny tempoly"
DH: "hikarakara ny tempoly izahay"
Eto dia ao anatin'ny "...nay" i Nehemia sy ireo Israelita ankoatra ireo mpisorona sy ireo Levita, ary koa ny mpamaky ity boky ity
1 Nitoetra tany Jerosalema ireo mpitarika ny vahoaka, ary ny vahoaka ambiny dia nanao filokana mba hitondrana ny iray amin'ireo folo hitoetra any Jerosalema, ilay tanàna masina, ary ireo sivy hafa nitoetra tany amin'ireo tanàna hafa. 2 Avy eo ny vahoaka nitso-drano ireo rehetra izay nanolo-tena an-tsitrapo ny honina any Jerosalema. 3 Ireo dia manam-boninahitry ny faritany izay nipetraka tany Jerosalema. Kanefa, dia nitoetra tany amin'ny taniny avy ny olona tany amin'ny tanàn'ny Joda, anisan'izany ny sasany amin'ireo Israelita, ireo mpisorona, ireo Levita, ireo mpanompon'ny tempoly, ary ireo taranaky ny mpanompon'i Solomona. 4 Tany Jerosalema no nitoeran'ny sasany tamin'ireo taranak'i Joda sy ireo taranak'i Benjamina. Ireo vahoaka avy amin'ny taranak'i Joda dia ahitana an'i: Ataia zanaka lahin'i Ozia zanaka lahin'i Zakaria zanaka lahin'i Amaria zanaka lahin'i Sefatia zanaka lahin'i Mahalila, ilay taranak'i Fareza. 5 Tao i Maseia zanaka lahin'i Baroka zanaka lahin'i Kola Azeha zanaka lahin'i Hazaia zanaka lahin'i Adaia zanaka lahin'i Joiariba zanaka lahin'i Zakaria, zanaka lahin'ny Silonita. 6 Ireo zanaka lahin'i Fareza rehetra izay nitoetra tany Jerosalema dia 468. Izy ireo dia lehilahy miavaka. 7 Ireto avy ireo taranak'i Benjamina: Salo zanaka lahin'i Mesolama zanaka lahin'i Joeda zanaka lahin'i Pedaia zanaka lahin'i Kolaia zanaka lahin'i Maseia zanaka lahin'i Itiela zanaka lahin'i Jesaia, 8 ary ireo manaraka azy, dia Gabay sy Salay, lehilahy 928. [1]9 Joela zanaka lahin'i Zisria no mpiandraikitr'izy ireo, ary Joda zanaka lahin'i Hasenoa dia faharoa amin'ny fibaikona eo amin'ny tanàna. 10 Avy amin'ireo mpisorona: Jedaia zanaka lahin'i Joariba, Jakina, 11 Seraia zanaka lahin'i Hilkia, zanaka lahin'i Mesolama zanaka lahin'i Zadoka zanaka lahin'i Meraiota zanaka lahin'i Ahitoba, lehiben'ny manam-pahefan'ny tranon'Andriamanitra, 12 ary ireo rahalahin'izy ireo izay nanao ny asa ao amin'ny trano, lehilahy 822, miaraka Adaia zanaka lahin'i Jeroama zanaka lahin'i Pelaia zanaka lahin'i Amzi zanaka lahin'i Zakaria zanaka lahin'i Pasora zanaka lahin'i Malkia. 13 Ireo rahalahiny dia ireo lohan'ireo foko, lehilahy 242; Amasay zanaka lahin'i Azarela zanaka lahin'i Ahazay zanaka lahin'i Mesilemota zanaka lahin'i Imera, 14 ary ireo rahalahiny, lehilahy mahery fo amin'ny ady 128; ireo mpiandraikiny dia i Zabdiela zanaka lahin'i Hagedolima. 15 Avy amin'ireo Levita dia: i Semaia zanaka lahin'i Hasoba zanaka lahin'i Azrikama zanaka lahin'i Hasabia zanaka lahin'i Bony, 16 ary Sabetay sy Jozabada, izay avy tamin'ny mpitarik'ireo Levita, izay misahana ny asa ivelan'ny tranon'Andriamanitra. 17 Ary Matania zanaka lahin'i Mika zanaka lahin'i Zabdy, ilay taranak'i Asafa, ilay lehibe izay nanomboka ny fanoloram-pisaorana tamin'ny vavaka, ary Bakbokia, faharoa amin'ireo rahalahiny, ary Abda zanaka lahin'i Samoa zanaka lahin'i Galala zanaka lahin'i Jedotona. 18 Ny Levita rehetra tao amin'ny tanàna masina dia niisa 284. 19 Ireo mpiambina vavahady dia: i Akoba, Talmona, ary ireo namany, izay nanara-maso ireo vavahady, lehilahy 172. 20 Ny Israely ambiny sy ireo mpisorona ary ireo Levita izay tao amin'ireo tanànan'i Joda rehetra. Ny tsirairay nitoetra tao amin'ny lovan-taniny avy. 21 Ireo mpiasan'ny tempoly nitoetra tany Ofela, ary Ziha sy Gispa nisahana azy ireo. 22 Ny lehiben'ny manam-boninahitra teo amin'ireo Levita tany Jerosalema dia i Ozy zanaka lahin'i Bany zanaka lahin'i Hasabiaha zanaka lahin'i Mataniaha zanaka lahin'i Mika, tamin'ny taranak'i Asafa, mpihira tamin'ny asa tao amin'ny tranon'Andriamanitra. 23 Teo ambanin'ny baiko avy amin'ny mpanjaka izy ireo, ary ireo baiko entitra no nomena ireo mpihira araka ny notakiana isan'andro. 24 Avy eo Petaia zanaka lahin'i Mesezabela, taranak'i Zera zanaka lahin'i Joda, dia teo anilan'ny mpanjaka tamin'ireo zavatra rehetra mahakasika ny vahoaka. 25 Raha ireo tanàna sy ireo sahan'izy ireo, ny sasany tamin'ny vahoakan'i Joda dia nitoetra tany Kiriata-Arba sy ireo tanànany, ary tany Dibona sy ireo tanànany, ary tany Jekabzela sy ireo tanànany, 26 ary tany Jesoa, Molada, Beti-Paleta, 27 Hazarasoala, ary Biry-seba sy ireo tanànany. 28 Ny sasany tamin'ireo vahoakan'i Joda dia nitoetra tany Ziklagy, Mekona sy ireo tanànany, 29 Enrimona, Zora, Jarmota, 30 Zanoa, Adolama, sy ny tanàn'ireo, ary tany Lakisa sahany ary Azeka sy ireo tanànany. Ka dia nitoertra avy tany Beri-sheba ka hatrany amin'ny lohasahan'i Hinoma izy ireo. 31 Nitoetra teo alohan'i Geba ihany koa ireo vahoakan'i Benjamina, tany Mikmasy sy Aia, tany Betela sy ireo tanànany, 32 tany Anatota, Noba, Anania, 33 Hazora, Rama, Gitaima, 34 Hadida, Jeboima, Nebala, 35 Loda, ary Ono, ary ny lohasahan'ireo mpanao asa tanana. 36 Ny sasany amin'ireo Levita izay nitoetra tany Joda dia notendrena tamin'ny vahoakan'i Benjamina.
"nanipy vato misy marika ny olona hamantarana izay ho tompon'andraikitra"
"mba hivoahan'ny fianakaviana iray ao anatin'ny folo"
"teo amin'ny taniny ihany: ireo Israelita"
ny sasany tamin'ireo vahoakan'ny Joda sy ny sasany tamin'ireo vahoakan'ny Benjamina"
Ireo dia anaran-dehilahy.
"avy amin'ny taranak'i Fareza"
Amin'ity andininy ity i Nehemia dia manohy mitanisa ireo manam-pahefana isam-paritany izay nipetrak tao Jerosalema.
Ireo dia anaran-dehilahy.
olona avy any amin'ny tanànan'i Silo
"ny taranaki Fareza"
"lehilahy be herim-po 468"
Amin'ity andininy ity i Nehemia dia manohy mitanisa ireo manam-pahefana isam-paritany izay nipetrak tao Jerosalema.
Ny fiteninao dia mety mila famaritana fa ity dia tsy lisitrin'ny taranaka rehetra. "ireto avy ny sasany amin'ireo taranaka"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ny "trano" eto dia ny "tranon'Andriamanitra" (11:11). "izay niasa tao amin'ny tempoly"
Ireo rahalahin'i Adaia, zanaka lahin'i Jerohama (11:10).
Io teny io dia sarinteny ho an'ny 1) mpiara-dia Israelita na 2) ireo olona izay nanao ilay asa mitovy. DH: "ireo mpiara-miasa"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
"avy amin'ireo mpitarik'ireo Levita no nisahana"
Ireo dia anaran-dehilahy.
izay nitarika ireo mpihira
Ireto avy ny mety ho dikany 1) Bakbokia dia rain'i Matania ary manam-pahefana faharoa amin'i Matania na 2) Nitarika ireo vondrona mpihira faharoa i Bakbodia. "
Ny dika hafa ihany koa dia "mpiara-miasa" na "namana mpiara-miasa"
Manondro ny tanànan'i Jerosalema izany.
Olona napetraka isaky ny vavahady, tompon'andraikitra misahana ny fidirana ao amin'ny tanàna na tempoly, amin'ny fotoana sy antony napetraky ny mpandrindra. Adikao toy ny tao amin'ny 7:1.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Izany dia anaran-tanàna
"ny mpifehy"
Ireo dia anaran-dehilahy.
DH: "efa niteny tamin'izy ireo mazava tsara ny mpanjaka amin'izay atao momban'i reo mpihira"
"niteny azy ireo ny tokony ataony ny mpanjaka"
teo anilan'ny mpanjakan'ireo Persiana tamin'ireo zavatra rehetra mahakasika ireo olona Jiosy".
Ireo dia anaran-toerana.
Ny "izy ireo" eto dia manondro ny vahiakan'i Joda.
Ireo dia anaran-toerana.
1 Ireto avy ireo mpisorona sy ireo Levita izay niakatra niaraka tamin'i Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela sy niaraka tamin'i Jesoa: Seraia, Jeremia, Ezra, 2 Amaria, Maloka, Hatosy, 3 Sekania, Rehoma, ary Meremota. 4 Nisy an' i Ido, Ginetoy, Abia, 5 Miamina, Madia, Bilga, 6 Semaia, Joiariba, Jedaia, 7 Salo, Amoka, Hilkia, Jedaia. Ireo no mpitarika ireo mpisorona sy ireo mpiara-miasa amin'izy ireo tamin'ny andron'i Jesoa. 8 Ireo Levita dia Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda, ary Matania, izay nisahana ny hira fanomezam-pisaorana, miaraka amin'ireo mpiara-miasa aminy. 9 Bakbokia sy Ono, ireo mpiara-miasa aminy, dia nijoro nanandrify azy ireo nandritra ny asa fanompoana. 10 Jesoa no rain'i Joiakima, Joiakima niteraka an'i Eliasiba, Eliasiba niteraka an'i Joiada, 11 Joiada niteraka an'i Jonatana, Jonatana niteraka an'i Jadoa. 12 Tamin'ny andron'i Joiakima dia ireto avy no mpisorona, lohan'ireo fianakaviana: Meraia lohan'i Seraia, Hanania lohan'i Jeremia, 13 Mesolama lohan'i Ezra, Johanana lohan'i Amaria, 14 Jonatana lohan'i Meliko, ary Josefa lohan'i Sebania. [1]15 Adna no lohan'i Harima, Helkay no lohan'i Meraiota, 16 Zakaria no lohan'i Ido, Mesolama no lohan'i Ginetona, ary 17 Zikry no lohan'i Abia... an'i Miniamina. Piltahy no lohan'i Moadia. [2]18 Samoa no lohan'i Bilga, Jonatana no lohan'i Semaia, 19 Matenay no lohan'i Joariba, Ozy no lohan'i Jedaia, 20 Kalay no lohan'i Salay, Ebera no lohan'i Amoka, 21 Hasabia no lohan'i Hilkia, ary Netanela no lohan'i Jedaia. 22 Tamin'ny andron'i Eliasiba, ireo Levita Eliasiba, Joiada, Johanana, ary Jadoa no noraketina an-tsoratra ho loham-pianakaviana, ary ireo mpisorona no noraketina an-tsoratra nandritra ny fanjakan'i Dariosy ilay Persiana. 23 Ireo taranak'i Levy, ireo lohan'ny fianakaviany dia voarakitra an-tsoratra tao amin'ny bokin'ny tantara hatramin'ny andron'i Johanana zanaka lahin'i Eliasiba. 24 Ireo lohan'ireo Levita dia Hasabia, Serebia, Jesoa zanaka lahin'i Kadmiela, niaraka tamin'ny mpiara-miasa amin'izy ireo, izay nijoro nanatrika azy ireo mba hanome fiderana sy hanome fisaorana, mifamaly ny isam-paritra, ho fankatoavana ny didin'i Davida, ilay lehilahin'Andriamanitra. 25 Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona, ary Akoba no mpiandry vavahady niambina teo amin'ny trano fitehirizana teo am-bavahady. 26 Nanompo tamin'ny andron'i Joiakima zanaka lahin'i Jesoa zanak'i Jozadaka, ary tamin'ny andron'i Nehemia ilay governora sy tamin'i Ezra mpisorona sy mpanora-dalàna izy ireo. 27 Tamin'ny fanokanana ny mandan'i Jerosalema, dia nitady ireo Levita tamin'izay rehetra nipetrahan'izy ireo ny vahoaka, hitondra azy ireo any Jerosalema mba hankalaza ny fanokanana am-pifaliana, amin'ny fanoloram-pisaorana ary hihira amin'ny kipantsona, valiha, ary amin'ny lokanga. 28 Ireo mpiara-mihira dia niara-nivory isan-tokony nanodidina an'i Jerosalema sy avy amin'ireo tanàna any Netofatita. 29 Avy any Beti-gilgala ihany koa izy ireo ary avy any amin'ireo sahan'i Geba ary Azmaveta, fa ireo mpihira dia efa nanamboatra zana-bohitra nanodidina an'i Jerosalema ho azy ireo. 30 Avy eo ireo mpisorona sy ireo Levita dia nanadio ny tenan'izy ireo, ary avy eo nanadio ny vahoaka, ireo vavahady, ary ny manda. 31 Ary nampiakariko teny an-tampon'ny manda ireo lohan'i Joda, ary nanendry antokom-pihira lehibe roa izay nanome fisaorana aho. Ny iray dia nandeha tany ankavanan'ny manda nankeo amin'ny Vavahadin-Jezika. 32 Hosaia sy ny antsasaky ny mpitarik'i Joda nanaraka azy ireo, 33 ary nanaraka azy ireo i Azaria, Ezra, Mesolama, 34 Joda, Benjamina, Semaia, Jeremia, 35 sy ny sasany tamin'ireo zanaka lahin'ny mpisorona niaraka tamin'ny trompetra, ary Zakaria zanaka lahin'i Jonatana zanak'i Semaia zanak'i Matania zanak'i Mikaia zanak'i Zakora zanak'i Asafa. 36 Nisy an'ireo havan'i Zakaria ihany koa, dia Semaia, Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela, Joda, Hanany, niaraka tamin'ireo zava-manenon'i Davida ilay lehilahin'Andriamanitra. Ezra mpanora-dalàna dia teo anoloan'izy ireo. 37 Teo akaikin'ny Vavahadin-Doharano no niakatra nahitsy tamin'ny tohatra tao amin'ny tanànan'i Davida, tamin'ny zana-tohatra mankany amin'ny manda ambonin'ny lapan'i Davida, tany amin'ny Vavahadin-Drano eo atsinanana izy ireo. 38 Nandeha tamin'ny lalan-kafa ny antoko mpihiran'ireo izay nanome fisaorana. Nanaraka azy ireo teo amin'ny manda niaraka tamin'ny antsasaky ny vahoaka aho, ary teo ambonin'ny Tilikambon'ny Fatana, teo amin'ny Manda Lehibe, 39 ary ambonin'ny Vavahadin'i Efraima, ary teo amin'ny Vavahady Taloha, ary teo amin'ny Vavahadin'ny Hazan-drano ary ny Tilikambon'i Hananela sy ny Tilikambon-Jato, teo amin'ny Vavahadin'ny Ondry, ary nijanona teo am-Bavahadin'ny Mpiambina izy ireo. 40 Koa naka ny toeran'izy ireo tao an-tranon'Andriamanitra ireo antokom-pihira roan'ireo izay nanome fisaorana, ary naka ny toerako niaraka tamin'ny antsasaky ny manam-pahefana niaraka tamiko ihany koa aho. 41 Avy eo dia naka ny toerany ireo mpisorona: Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria, ary Hanania, mbamin'ireo trompetra, 42 sy Mahaseia, Semaia, Eleazara, Ozy, Johanana, Malkia, Elama, sy Ezera ihany koa, ary ireo mpihira nanao izay handrenesana azy ireo ary Jizrahia no mpitarika azy ireo. 43 Nanolotra sorona lehibe izy ireo tamin'izany andro izany, ary niravo, satria Andriamanitra nampiravo azy ireo tamim-pifaliana lehibe. Ireo vehivavy sy ankizy ihany koa dia nifaly. Koa re avy lavitra ny fifalian'i Jerosalema. 44 Tamin'izany andro izany dia nisy ireo lehilahy notendrena hisahana ny trano fitehirizan-drakitra, ireo voaloham-bokatra, ary ny ampahafolon-karena, mba hanangona ny anjara takian'ny lalàna ho an'ireo mpisorona sy ho an'ireo Levita ao amin'ireo. Ny tsirairay dia notendrena mba hiasa ireo saha akaikin'ny renivohitra. Satria nifaly tamin'ireo mpisorona sy ireo Levita izay nijoro teo anoloan'izy ireo i Joda. 45 Nanatanteraka ny asa ho an'ny Andriamanitr'izy ireo, sy ny asa fanadiovana izy ireo, nanao tahaka izany koa ireo mpihira sy ireo mpiandry vavahady, tamim-pitandremana ny didin'i Davida sy Solomona zanany lahy. 46 Fa taloha ela be, tamin'ny andron'i Davida sy Asafa, dia nisy mpitarika ireo mpihira, ary nisy hira fiderana sy fanomezam-pisaorana ho an'Andriamanitra. 47 Tamin'ny andron'i Zerobabela sy tamin'ny andron'i Nehemia, dia nanome ny anjara isan'andro ho an'ireo mpihira sy mpiandry vavahady ireo Israely rehetra. Natokan'izy ireo ny anjara izay ho an'ireo Levita, ary ireo Levita nanokana anjara ho an'ireo taranak'i Arona.
"izay tonga avy any Babylonia"
"teo ambany ny fitantanan'i Zerobabela"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Mitohy ny fitanisana izay nanomboka tao amin'ny 12:1;
Ireo rehetra ireo dia anaran-dehilahy avokoa.
Ginetoy dia mety fanoratra hafa ny anarana "Ginetona"
Ireo dia anaran-ehilahy.
Ireto avy ny azo andikana azy 1) izany dia nandritra ny asa fanompoana ary nisy vondrom-pihira na mpanompo hafa, na 2) niandry ny tempoly tamin'ny fotoana samihafa ireo vondrona ireo, na "nifandimby niandry ny tempoly".
Ireo dia anaran-dehilahy.
DH: "i Jesoa dia mpisoronabe taona maro tany aloha. Izy no rain'i Joiakima."
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaram-pianakaviana nampitondraina ireo lehilahy.
Fampifandraisana ny foto-kevitra: Mitohy ny fitanisana izay nanomboka tao amin'ny 12:12.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo rehetra ireo dia anaram-pianakaviana izay nampitondraina ireo lehilahy.
"no mpitarika ny fianakavian'i" na "no mpitarika ny taranak'i"
Ginetona dia mety fomba fanoratra hafa ny anarana Ginetoy.
Ny Maadia dia mety fomba fanoratra hafa ny anarana Moadia.
anaran-dehilahy
Ireo mpisorona no nanoratra ireo andininy amin'ny boky etsy ambony izay mirakitra ny zava-nitranga isan'andro.
Ny firaketana tao amin'ny tempoly dia tsy nitahiry ny nanomboka teo amin'i Johanana ihany.
Izany dia manondro ny fomba nihiran'izy ireo ny hirany tamin'ny fiderana. Ny mpitarika na ny vondrona dia mihira andian-teny iray, avy eo ny vondrona iray na roa "mijoro eny ampitan'izy ireo" mihira andian-teny iray hafa mamaly azy ireo.
Nandidy ireo Levita amin'ny fomba handaminana sy hitarian'izy ireo ny fiderana i Davida mpanjaka.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireto avy ny mety azo andikana azy 1) "tamin'ny fotoana nanokanana ny mandan'i Jerosalema" na 2) "mba ho tanteraka ny fanokanana ny mandan'i Jerosalema."
Vy fisaka boribory anakiroa izay velesina miaraka mba hamoaka feo.
Ireo dia anaran-toerana.
Ireo mpitarika ny vahoaka izay nipetraka tao amin'ny faritr'i Joda
Ireo dia anaran-dehilahy.
Misy amin'ireo dikan-tenysasany no vakiana hoe: "ary anisan'izay ireo mpisorona niaraka tamin'ny trompetra, i Zakaria"
Ny anarana rehetra aorian'i "Zakaria" dia ireo razambeny. Ity lisitra ity dia mampifandray an'i Zakaria amin'ny mpihira malaza i Asafa. Zakaria izay zanaka lahin'i Jonatana, izay zanak'i Semaia lahy, izay zanak'i Matania lahy, izay zanak'i Mikaia, izay zanak'i Zakora zanak'i Asafa lahy"
"niaraka tamin'izy ireo ihany koa"
Ireo dia anaran-dehilahy.
"Ezra mpanora-dalàna no nitarika azy ireo"
Ireo no anaran'ny vavahady teo amin'ilay manda.
Nanaraka azy ireo i Nehemia
Ireo ny anaran'ireo fitoerana avo izay hiambenan'ny olona amin'ny fanafihana na loza.
Ireo no anaran'ireo vavahady eo amin'ilay manda.
Nehemia no miteny eto. DH: "izaho, Nehemia dia naka ny toerako ihany koa"
Ireo dia anaran-dehilahy izay mpisorona tamin'izany fotoana izany.
Anaran-dehilhy izay mpitarik'ireo mpihira izany.
"nihira mafy"
"tena nifaly tokoa"
Ny "Jerosalema" dia sarinteny hilazana ny "feo navoakan'ny vahoakan'i Jerosalema." DH: "ny olona lavitra an'i Jerosalema dia afaka nandre ny izay nataon'ny vahoakan'i Jerosalema raha niravoravo iny izy ireo"
DH: "nanendry lehilahy hisahana ny ... izy ireo"
Ireo zavatra izay omen'ny olona ho an'ireo mpisorona.
Tsikaritra fa notendren'ny olona ireo lehiahy ireo satria ny vahoakan'ny Joda dia faly tamin'ireo mpisorona sy ireo Levita izay nanao ny asa fanompoana.
Tsy nijoro fotsiny ireo Levita sy ireo mpisorona, fa nanompo ihany koa izy ireo tao anaty akanjo lavan'izy ireo. DH: "izay nijoro teo anatrehan'izy ireo hanompo an'Andriamanitra."
tompon'andraikitra misahana ny fidirana ao amin'ny tanàna na tempoly, amin'ny fotoana sy antony napetraky ny mpandrindra. Adikao toy ny tao amin'ny 7:1.
Io fehezanteny io dia milaza ny antony nahatonga ireo olona nanao ny nataony tao amin'ny 12:44 ary manoma fampahafantarana misimisy ho antsika momban'ny fotoana izay nolazain'i Davida ny fomba fiderana ao amin'ny tempoly.
Zerobabela dia taranakin'ny mpanjaka Davida ary iray amin'ireo governora amin'ny farit'i Joda.
"Natokan'ny Israelita rehetra ilay anjara"
Ireo mpisorona tao Israely, izay nidina avy any Arona, ilay rahalahin'i Mosesy
tompon'andraikitra misahana ny fidirana ao amin'ny tanàna na tempoly, amin'ny fotoana sy antony napetraky ny mpandrindra Adikao toy ny tao amin'ny 7:1.
1 Tamin'izany andro izany dia novakian'izy ireo teo an-tsofin'ny vahoaka ny Bokin'i Mosesy. Hita voasoratra tao amin'izany fa tsy misy Amonita na Moabita tokony hiditra ao amin'ny fiangonan'Andriamanitra, mandrakizay. 2 Izany dia satria tsy tonga teo amin'ny zanak'Israely niaraka tamin'ny mofo sy rano izy ireo, fa nanakarama an'i Balama mba hanozona ny Israely izy ireo. Na dia izany aza, navadiky ny Andriamanitsika ho fitahiana ny ozona. 3 Raha vao nandre ny lalàna izy ireo, dia nosarahan'izy ireo tamin'Israely ny olona hafa firenena rehetra. 4 Ary talohan'izany io Eliasiba mpisorona io dia voatendry ho ao amin'ireo trano fitehirizan'ny tranon'ny Andriamanitsika. Izy dia nanana fifandraisana tamin'i Tobia. 5 Nikarakara efitrano fitehirizana lehibe ho an'i Tobia i Eliasiba, izay nitehirizan'izy ireo ny fanatitra hohanina, ny ditin-kazo manitra, ireo kojakoja, sy ireo ampahafolom-bokatra, divay vaovao, ary ny diloilo, izay voatokana ho an'ireo Levita, ireo mpihira, ny mpiandry vavahady, ary ireo anjara ho an'ireo mpisorona tany aloha. 6 Kanefa tamin'izany fotoana rehetra izany dia tsy tao Jerosalema aho. Fa nandeha tany amin'ny mpanjaka aho tamin'ny faharoa amby telopolo taona nanjakan'i Artaksersesy mpanjakan'i Babylona. Fotoana vitsy taorian'izay dia nangataka alalana handao ny mpanjaka aho, 7 ka niverina tany Jerosalema. Fantatro mantsy ny ratsy izay efa nataon'i Eliasiba tamin'ny nanomezany an'i Tobia efitrano fitehirizana lehibe tao an-kianjan'ny tranon'Andriamanitra. 8 Tezitra mafy aho ka navoakako teo ivelan'ny efitrano fitehirizana avokoa ireo entan'ny fianakavian'i Tobia rehetra. 9 Nandidy ny hanadiovan'izy ireo ireo efitrano fitehirizana aho, ary naveriko tao amin'ireny ireo entan'ny tranon'Andriamanitra, ireo fanatitra hohanina, ary ny ditin-kazo manitra. 10 Fantatro fa mbola tsy nomena azy ireo ny anjaran'ireo Levita, ka nitsoaka izy ireo, samy nankany amin'ny taniny avy, ireo Levita sy ireo mpihira izay nanao ny asa. 11 Koa nifanatrika tamin'ireo manam-boninahitra aho ka nanao hoe: "Nahoana no notsinontsinoavina ny tranon'Andriamanitra?" Nangoniko niaraka ary napetrako tamin'ny toerany ireo. 12 Avy eo dia nitondra ny ampahafolom-bokatra, ny divay vaovao, ary ny diloilo ho an'ny efitrano fitehirizana ny Joda rehetra. 13 Nanendry an'i Selemia mpisorona sy Zadoka mpanora-dalàna, ary tamin'ireo Levita, Pedaia, ho mpitam-bolan'ny trano fitehirizan'Andriamanitra aho. Teo anilan'izy ireo i Hanana zanaka lahin'i Zakora zanaka lahin'i Matania, fa izy ireo no voalaza ho mendri-pitokisana. Ny adidin'izy ireo dia ny mizara ireo vatsy ho an'ireo mpiara-miasa amin'izy ireo. 14 Tsarovy aho, ry Andriamanitro, mahakasika izany, ary aza fafàna ireo asa tsara izay efa nataoko ho an'ny tranon'Andriamanitra sy ireo fanompoana izany. 15 Ary tamin'izany andro izany dia nahita ireo vahoaka tao Joda nanosihosy famiazam-boaloboka tamin'ny Sabata ary nitondra salohim-bary ka nampitondra ireny tamin'ny borikiny, ary koa divay, voaloboka, aviavy, ary ireo karazan-javatra mavesatra rehetra, izay nentin'izy ireo tao Jerosalema tamin'ny andro Sabata aho. Nanohitra mafy ny nivarotan'izy ireo hanina tamin'izany andro izany aho. 16 Ireo lehilahy avy tany Tyro nipetraka tao Jerosalema dia nitondra hazandrano sy entam-barotra samihafa, ary novarotan'izy ireo tamin'ny andro Sabata tamin'ny vahoakan'i Joda sy tao amin'ny tanàna ireny! 17 Ary nifanatrika tamin'ireo mpitarik'i Joda aho hoe: "Inona izao zava-dratsy ataonareo, mandoto ny andro Sabata izao? 18 Moa nanao izao ve ireo razanareo? Moa tsy Andriamanitra ve no nitondra izao ratsy rehetra izao tamintsika sy tamin'ity tanàna ity? Ankehitriny ianareo dia mitondra fahatezerana bebe kokoa amin'Israely tamin'ny fandotoana ny Sabata." 19 Raha vantany vao maizina teo amin'ny vavahadin'i Jerosalema talohan'ny Sabata, dia nandidy ny hikatonan'ireo varavarana sy ny tsy tokony hisokafan'ireny intsony hatramin'ny aorian'ny Sabata aho. Nametraka ny sasany tamin'ireo mpanompoko teo amin'ireo vavahady aho mba tsy hisian'ny entana ho afaka entina miditra amin'ny andro Sabata. 20 Nitoby tany ivelan'i Jerosalema indray mandeha na indroa ireo mpandranto sy mpivarotra karazan'entana rehetra. 21 Nefa izaho nampitandrina azy ireo hoe: "Nahoana ianareo no mitoby ivelan'ny manda? Raha mbola mamerina izany ianareo, dia hikasi-tanana anareo aho!" Nanomboka tamin'izany fotoana izany dia tsy tonga tamin'ny andro Sabata intsony izy ireo. 22 Avy eo nandidy ireo Levita aho mba hanadio ny tenan'izy ireo, ary ho tonga hiambina ireo vavahady, mba hanamasina ny andro Sabata. Tsarovy ihany koa aho ny amin'izany, ry Andriamanitro, ary mamindrà fo amiko nohon'ny tsy fivadiham-panekena anananao amiko. 23 Tamin'izany andro izany dia nahita ireo Jiosy izay nanambady ireo vehivavin'i Asdoda, Amona, ary Moaba ihany koa aho. 24 Niteny tamin'ny fitenin'i Asdoda ny antsasaky ny taranak'izy ireo. Tsy nisy tamin'izy ireo nahay niteny ny fitenin'ny Joda, fa ny fitenin'ny iray amin'ireo olona hafa irery ihany. 25 Nifanatrika tamin'izy ireo aho, ka nanozona azy ireo, ary namely ny sasany tamin'izy ireo sy nandrirotra ny volon'izy ireo. Nampianiana azy ireo tamin'Andriamanitra aho, nanao hoe: "Ianareo dia tsy tokony hanome ny zanaka vavinareo ho an'ireo zanaka lahin'izy ireny, na haka ny zanaka vavin'izy ireny ho an'ny zanaka lahinareo, na ho anareo. 26 Moa tsy nanota tamin'ireo vehivavy ireo ve i Solomona mpanjakan'Israely? Tsy nisy mpanjaka toa azy tamin'ireo firenena maro, ka tian'ny Andriamaniny izy, ary Andriamanitra nanao azy ho mpanjaka nanerana ny Israely rehetra. Na dia izany aza, nampanotain'ireo vadiny hafa firenena izy. 27 Moa ve tokony hihaino anao izahay ka hanao izany ratsy lehibe izany, ka mivadika amin'ny Andriamanitsika amin'ny fakàna vehivavy hafa firenena ho vady?" 28 Iray amin'ireo zanaka lahin'i Joiada zanaka lahin'i Eliasiba mpisoronabe dia vinanto lahin'i Sanbala Horonita. Noho izany dia nampandosiriko tamin'ny fanatrehako izy. 29 Tsarovy izy ireny, ry Andriamanitro, satria efa nandoto ny fisoronana, sy ny faneken'ny fisoronana ary ireo Levita. 30 Toy izany no nandiovako azy ireny tamin'ny zava-drehetra hafa firenena, ka nametraka ireo adidin'ireo mpisorona sy ireo Levita, ny tsirairay ho samy amin'ny asany avy. 31 Namatsy tamin'ny fotoana voatondro ny fanatitra kitay sy ireo voaloham-bokatra aho. Tsarovy amin'ny tsara aho, ry Andriamanitro.
"mba ahafahan'ny olona mandre izany"
"tokony ho avy ao amn'ny fiangonanan'Andriamanitra"
"tsy afaka nankao amin'ilay fiangonana izhy satria"
DH: "notendren'izy ireo i Eliasiba mpisorona" na "ireo mpitarika dia nanendry an'i Eliasiba mpisorona"
"niara-niasa akaiky i Eliasiba sy i Tobia"
"Nanomana efitrano fitehirizana lehibe ho ampiasain'i Tobia i Nehemia"
tompon'andraikitra misahana ny fidirana ao amin'ny tanàna na tempoly, amin'ny fotoana sy antony napetraky ny mpandrindra Adikao toy ny tao amin'ny 7:1.
"Nandritra ny fotoana nitrangana ireo, dia lavitra an'i Jerosalema aho"
Izany dia efitra iray izay nodiovina mba hitehirizana ireo vatsy (13:4)
DH: "mbola tsy nitondra ireo ampahafolon-karena sy ireo fanatitra ho an'ireo mpisoron'ny tempoly tao amin'ny efitrano fitehirizana ireo olona"
"niala tao amin'ny tempoly nankeny amin'ny sahany tsirairay avy ireo Levita sy ireo mpihira izay nanao ny asa"
Io dia fanontaniana fampisainana izay nampiasain'i Nehemia mba hanaovana fanamby na koa hanalana baraka ireo manam-pahefana izay tsy nahavita ny asan'izy ireo.
Ny anaran'ilay tany dia sarinteny ilazana ny mponina ao amin'ilay tany. DH: "ny olona rehetra nipetraka tao Joda"
Ireo dia anaran-dehilahy.
DH: "fantatro fa azo hitokisako izy ireo"
"Ry Andriamanitro, tsasovy ny momba ahy amin'izany."
Ny "famiazam-boaloboka" dia sarinteny ilazana ireo voaloboka ao anaty famiazana. Ireo olona dia mandeha eo ambonin'ny voaloboka mba ahazoana ny ranony hanaovana divay. DH: "mandeha ambon'ny famiazam-boaloboka"
mandeha eo ambonin'ny zavatra mba hitotona na hamiazana izany
anaran-tanana
Nibedy ireo mpitarik'i Joda i Nehemia. Azo adika ho lasa fanambarana izany. DH: "Ianareo dia manao zava-dratsy amin'ny faniratsirana ny andro Sabata." na "Hanasazy anareo amin'ny fanaovana zava-dratsy Andriamanitra, tamin'ny faniratsirana ny andro Sabata."
Nibedy ireo mpitarik'i Joda i Nehemia. Azo adika ho lasa fanambarana izany. DH: "Fantatrareo fa nanao izany ny razanareo , ary izany no nitondran'Andriamanitra ny ratsy rehetra teto amintsika sy teto amin'ity tanàna ity."
"Rehefa niletika ny masoandro ... ary fotoana hanombohan'ny Sabata"
DH: "hanakatonan'ny mpiambina ireo varavarana ary tsy hanokafany azy mandra-pa"
DH: "tsy misy afaka mitondra ny zavatra tiany ho varotana
"ireo olona izay nitondra karazan-javatra ho amidy"
Nametraka io fanontaniana io i Nehemia, tsy hiandry valiny fa hitenenana mafy ireo mpivrotra ary hanamafisana ny didiny. DH: "nitoby ivelan'ny manda tsy araka izay efa nandidiko ianareo."
Ny teny "tanana" eto dia sarinteny hilazana fanerena. DH: "ho rohasiko an-kery ianareo!"
Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ity andininy ity dia mampiditra tranga manaraka.
"ireo Jiosy izay nanambady vehivavy vahiny" Andriamanitra dia nandrara ny fifanambadian'ny olona samy hafa fiaviana.
Anaran-tanana
anaram-pirenena
"Ary vokaktr'izany, antsasaky ny taranak'izy ireo"
"niresaka nivantana tamin'izy ireo momban'izay efa vitan'izy ireo aho"
tamin'ny tanany
"nataoko nianiana teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo"
Nibedy ireo lehilahy i Nehemia. Azo avadika ho fanambarana izany. DH: "Ianareo dia mahafantatra fa i Solomona mpanjaka dia nanota tamin'ireo vehivavy ireo"
Nibedy ireo lehilahy i Nehemia. Azo avadika ho fanambarana izany. DH: "Tsy hihaino anareo na hanao asa ratsy lehibe na hamitaka ny Andriamanitray amin'ny fanambadia vehivavy hafa firenena izahay."
Ireo dia anaran-dehilahy.
olona avy ao amin'ny tanànan'i Beti-Horona
"norohasiko izy" na "nataoko nandao an'i Jerosalema izy"
"tadidio ny zavatra efa vitan'izy ireny" na "tsarovy ny momba azy ireny"
"nataon'izy ireo maloto tao an-tsainareo ireo mpisorona sy ireo asan'izy ireo"
nataon'izy ireo maloto tao an-tsainareo ny fanekena izay nataonareo niaraka tamin'ireo mpisorona sy ireo Levita"
"amin'izany fomba izany no handiovako azy ireo"
"nilaza tamin'ireo mpisorona sy ireo Levita izay tokony ataon'izy ireo"
"niantoka ny famatsiana kitay ho an'ny fanatitra kitay aho"
"ho an'ny fanatitra voaloham-bokatra amin'ny fotoam-piotazana"
"Saino ny momba izay efa vitako, ry Andriamanitra, ary tahio aho noho ireo zava-tsoa efa nataoko"
1 Tamin'ny andron'i Ahasoerosy (Ahasoerosy no nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, nanenika ny faritany 127), 2 tamin'izany andro izany dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany tao amin'ny fiarovana mafin'ny Sosana i Ahasoerosy mpanjaka. 3 Tamin'ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an'ireo manam-pahefana sy ireo mpanompony rehetra izy. Ny tafik'i Persia sy Media, ireo lehilahy manan-kaja, sy ireo governoran'ireo faritany dia teo amin'ny fanatrehany. 4 Nampiharihary ny haren'ny famirapiratan'ny fanjakany sy ny hajan'ny voninahitrin'ny fahalehibiazany nandritry ny andro maro, nandritry ny 180 andro izy. 5 Ary rehefa tapitra ireo andro ireo, dia nanao firavoravoana nandritry ny fito andro ny mpanjaka. Natao ho an'ny olona rehetra teo amin'ny fiarovana mafin'i Sosana izany, hatramin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny madinika indrindra. Natao teo an-kianjan'ny zaridainan'ny lapan'ny mpanjaka izany. 6 Ny kianjan'ny zaridaina dia voahaingo tamin'ny lamba vita amin'ny landihazo fotsy sy volomparasy, tamin'ny kofehin-drongony fotsy madinika ary volomparasy, nihantona tamin'ny mason-drojo volafotsy hatreny amin'ny andrin'ny marbra. Nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin'ny filaharan'ny lampivato porfira, marbra, hara, sy rarivato miloko. 7 Naroso tamin'ny kapoaka volamena ny zava-pisotro. Ny kapoaka tsirairay dia tsy manam-paharoa ary betsaka tokoa ny divaim-panjakana nohon'ny fahalalan-tanan'ny mpanjaka. 8 Ny zava-pisotro dia nentina nivoaka ho fitandrovana ny didy hoe: "Tsy misy faneriterena." Nanome baiko ny mpiasa rehetra tao an-dapany ny mpanjaka mba hanao izay rehetra irin'ny vahiny tsirairay. 9 Koa nanao fanasana ho an'ny vehivavy ihany koa i Vasty mpanjaka vavy tao amin'ny lapan'i Ahasoerosy mpanjaka. 10 Tamin'ny andro fahafito, raha nahatsiaro faly ny fon'ny mpanjaka nohon'ny divay, dia niteny tamin'i Mehomana, Bizta, Harbona, Bigta, Abagta, Zetara, ary Karkasa (ireo manam-boninahitra fito nanompo teo anoloany) izy, 11 mba hitondra ny mpanjaka vavy Vasty ho eo anoloany miaraka amin'ny satro-boninahiny. Tiany haseho amin'ny vahoaka sy ireo manam-boninahitra ny hatsarany, satria manaitra loatra ny endriny. 12 Fa nandà ny handeha araky ny tenin'ny mpanjaka izay nentin'ireo manam-boninahitra teo aminy i Vasty mpanjaka vavy. Avy eo dia tezitra mafy ny mpanjaka; nirehitra tao anatiny ny fahatezerany. 13 Noho izany ny mpanjaka dia nifandinika tamin'ireo lehilahy izay fantatra fa hendry, izay mahafantatra ny andro (fa izany no fanaon'ny mpanjaka manoloana an'ireo rehetra manam-pahaizana manokana amin'ny lalàna sy ny fitsaràna). 14 Ary ny akaiky azy indrindra dia i Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, ary Memokana, ireo andriana fiton'i Persia sy Media. Afaka nifanerasera tamin'ny mpanjaka izy ireo, ary nitàna ny toerana ambony tao amin'ny fanjakana. 15 "Araka ny fanarahan-dalàna, inona no tokony hatao amin'i Vasty mpanjaka vavy nohon'ny tsy fankatoavany ny baikon'i Ahasoerosy mpanjaka, izay nentin'ireo manam-boninahitra teo aminy?" 16 Hoy Memokana teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo manam-boninahitra hoe: "Tsy tamin'ny mpanjaka ihany i Vasty mpanjaka vavy no nanao fahadisoana, fa tamin'ireo manam-boninahitra sy ireo vahoaka izay manerana ny faritanin'i Ahasoerosy mpanjaka ihany koa. 17 Fa ny zavatra nataon'ny mpanjaka vavy dia ho fantatr'ireo vehivavy rehetra. Hahatonga azy ireo hamingavinga ny vadin'izy ireo izany. Hiteny izy ireo hoe: 'Nanome didy i Ahaseorosy mpanjaka mba ho entina eo anoloany i Vasty mpanjaka vavy, fa nandà izy. 18 Mialohan'ny hiafaran'ity andro ity ihany ny andriambavin'i Persia sy Media izay naheno ny zavatra nataon'ny mpanjaka vavy dia hiteny toy izany amin'ireo manam-boninahitry ny mpanjaka koa. Dia hisy famingavingana sy fahatezerana be. 19 Raha ankasitrahan'ny mpanjaka izany, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy any aminy, ary aoka ho voasoratra ao amin'ny lalànan'i Persianina sy Medianina, izay tsy azo foanana, fa Vasty dia tsy mahazo mankeo anoloany intsony. Aoka homen'ny mpanjaka ho an'ny vehivavy izay tsara noho izy ny toerana maha-mpanjaka azy. 20 Rehefa voatory manerana ny fanjakana midadasika izany didin'ny mpanjaka izany, dia hanaja ny vadiny avokoa ny vehivavy rehetra, manomboka amin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny madinika indrindra." 21 Dia sitraky ny mpanjaka sy ny andriany izany toro-hevitra izany, ary nanao araka izay nanoloran'i Memokana hevitra azy ny mpanjaka. 22 Nandefa taratasy ho any amin'ny faritanim-panjakana rehetra izy, ho an'ireo faritany rehetra araka sorany avy, ary ho an'ny firenena tsirairay araka ny fiteniny avy. Nanao didy izy fa ny lehilahy rehetra dia ho masi-mandidy eo amin'ny tokatranony. Nomena araka ny fitenin'ireo vahoaka tsirairay tao amin'ny fanjakany izany didy izany.
"Tamin'ny fotoanan'i Ahasoerosy" na "Tamin'ny nanjakan'i Ahasoerosy"
Izany dia fanampim-panazavana hanampiana ny mpamaky ahafantatra an'i Ahasoerosy.
"fito amby roapolo amby zato"
Eto ny "ny seza fiandrianana" dia mety manondro ny nanjakany. DH: "nanjaka"
Rova, Manda na tanàna voaaro
Tanàn-dehiben'ireo mpanjaka Persana
Ny "faritany" dia velaran-tany eo amin'ireo firenena izy notsinjaraina nohon'ny tetikasan'ny governemanta
"Taorian'ny nanjakany nandritry ny 2 toana"
Izany dia mety manondro ireo lehiben'ny tafika. DH: Ireo manam-boninahitra tao amin'ny tafika
Ireo teny ireo dia manana dikany mitovy ary samy manamafy ny halehiben'ny fanjakany"
Ireo teny ireo dia manana dikany mitovy ary samy manamafy ny halehibeny. DH: "ny famirapiratan'ny halebiazany"
Valopolo amby zato
"Any amin'ny faran'ny firavoravoana"
Izany dia firavoravoana faharoa izay natokana ho an'ireo manam-pahefana tao Sosana. DH: "firavoravoana iray hafa izay naharitra fito andro"
7
Fitoeran'ny mpanjaka
Tanàn-dehiben'ireo mpanjaka Persana
Ny "lampivato" dia vato miloko sy voarafitra hapetaka eny amin'ny sary mba hanintona
Izy io dia karazam-bato miloko mena sy volom-parasy izay misy potika vato Krystaly
DH: "Ireo vahiny dia nisotro divay tamin'ny kapoaka volamena
"ilay mpanjaka dia tena nalala-tanana tokoa tamin'ny divaim-panjakana"
"Manana fahavononana lehibe hizara"
Tsy misy na iray aza noterena hisotro
Izany dia midika fa niteny ireo mpiasany ny mpanjaka mba hanome divay izay lanin'ireo vahiny
taorian'ny 6 andro
Eto ny "fo" dia manondro ny mpanjaka, ary ny "faly" dia fomba fiteny izay midika hoe mamo. DH: "mamon'ny divay ilay mpanjaka"
Izany dia fampahafantarana entina hanazavana hoe iza ireo lehilahy ireo.
"izy dia tena tsara tarehy"
DH: "rehefa nilaza taminy ny momban'ny didiny ireo manam-boninahitrin'ny mpanjaka"
Eto ny "teny" dia manambara ilay didy manontolo. DH: "tamin'ilay didy"
Ny herin'ny hatezeran'ilay mpanjaka dia resahina toy ny afo izay mandoro ny ao anatiny. DH: "tena nahery toy ny afo ny hatezerany tao anatiny"
"Ireo izay mahatakatra ireo zava-nitranga teo amin'ny fiainan'izy ireo"
Izany dia fampahafantarana ny antony niantson'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo
7
mety manampy ny flazana hoe iza ilay manontany. DH: "Hoy ny mpanjaka tamin'izy ireo hoe: ""Araka ny fanarahan-dalàna ... nentin'ireo manam-boninahitra teo aminy?"
Ireo dia fanitarana hanamafisana ny faharavana izay naterakin'ny fandavan'ireo mpanjaka vavy.
Ho tezitra amin'ny vadin'izy ireo ary hanamavo azy ireo
Hadikao toy ny tao amin'ny 1:1
Nanohy namaly ny mpanjaka i Memokana
DH: "Raha mety amin'ny mpanjaka ... eo anatrehanareo ... avy aminareo ... Raiso re ... ny lalànareo ... ny fanjakana midadasika anao"
DH: "izay tsy azon'iza na iza ovaina
DH: "Rehefa nandre ny didin'ny mpanjaka izy ireo" na "rehefa izay nodidinao izy ireo"
"lehibe" na "midadasika"
Izany dia manondro ireo sokajin'olona
Hadikao toy ny tao amin'ny 1:1
"ny lehilahy rehetra dia tokony manana fahefana feno amin'ny vady aman-janany"
DH: "Nosoratan'izy ireo izany didy izany"
1 Taorian'ireo zavatra ireo, rehefa nitony ny fahatezeran'i Ahasoerosy mpanjaka, dia neritreritra an'i Vasty sy izay efa nataony izy. Noeritreretiny koa ny didy izay nentiny nitsaràna azy. 2 Dia hoy ireo zatovo lahin'ny mpanjaka izay nanompo azy hoe: "Aoka hisy fitadiavana tovovavy tsara tarehy virijiny ho an'ny mpanjaka. 3 Aoka ny mpanjaka hanendry manam-pahefana amin'ny faritany rehetra amin'ny fanjakany, mba hanangona ireo tovovavy tsara tarehy virijiny rehetra ho any an-tranom-behivavy any amin'ny fiarovana mafy any Sosana. Aoka izy ireo hapetraka ao ambany fiahian'i Hegay, tsindranolahin'ny mpanjaka, izay miandraikitra ny vehivavy, ary aoka izy hanome azy ireo ireo fikoloana ny endrik'izy ireo. 4 Aoka ny tovovavy izay mahafaly ny mpanjaka ho tonga mpanjaka vavy eo amin'ny toeran'i Vasty." Dia nahafaly ny mpanjaka izany toro-hevitra izany, ka dia notanterahiny arak'izany. 5 Ary nisy Jiosy iray tao amin'ny fiarovana mafin'i Sosana izay nantsoina hoe Mordekay zanaka lahin'i Jaira zanaka lahin'i Simey zanaka lahin'i Kisy, izay taranak'i Benjamina. 6 Nentina avy tany Jerosalema niaraka tamin'ireo sesitany mbamin'ireo izay nalaina niaraka tamin'i Jekonia, mpanjakan'i Joda, izay nobaboin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babilona izy. 7 Izy no nitaiza an'i Hadasa, izay atao hoe, Estera, zanaka vavin'ny dadatoany, satria tsy nanana na ray na reny izy. Tsara tarehy ilay tovovavy ary manam-bika maha-te-ho tia. Dia noraisin'i Mordekay toy ny zanany vavy izy. 8 Rehefa nambara ny baiko sy didin'ny mpanjaka, dia tovovavy maro no nentina tany amin'ny fiarovana mafin'i Sosana. Napetraka teo ambany fiahian'i Hegay izy ireo. Dia nentina tao an-dapan'ny mpanjaka koa i Estera ary napetraka tao ambany fiahian'i Hegay, ilay mpiandraikitra ny vehivavy. 9 Dia nahafaly azy ilay tovovavy, ka nahita sitraka taminy izy. Avy hatrany dia nomeny ireo fikoloana endrika sy ny anjara sakafony izy. Dia nanendry mpanompovavy fito avy tao an-dapan'ny mpanjaka ho azy izy, ka nafindrany tao amin'ny toerana tsara indrindra tao an-tranon'ireo vehivavy izy mbamin'ireo mpanompovavy. 10 Tsy nolazain'i Estera tamin'iza na iza izay fireneny na ireo havany, satria efa nanarin'i Mordekay izy mba tsy hiteny. 11 Isan'andro dia mivezivezy manoloana ny kianja eo ivelan'ny tranon'ireo vehivavy i Mordekay, mba hahafantarany ny momban'i Estera, sy momba izay hatao aminy. 12 Rehefa tonga ny anjaran'ny tovovavy tsirairay mba ho ao amin'i Ahasoerosy mpanjaka—arak'ireo didy amam-pitsipika ho an'ireo vehivavy, dia tsy maintsy mahafeno fikarakarana hatsaram-batana mandritry ny roa ambin'ny folo volana ny tovovavy tsirairay, enim-bolana miaraka amin'ny menaka miora, ary enim-bolana kosa miaraka amin'ireo zava-manitra sy ireo fikoloana endrika— 13 rehefa nandeha nankany amin'ny mpanjaka ny tovovavy iray, dia nomena azy izay rehetra nilainy tao an-tranon'ireo vehivavy, mba ho azy ho entina ao an-dapa. 14 Ny hariva dia hiditra ao anatiny izy, ary ny maraina kosa dia hiverina ao an-trano faharoan'ireo vehivavy izy, ary any an-trano fiarovan'i Sasegaza, tsindranolahin'ny mpanjaka, izay niandraikitra ireo vaditsindrano. Dia tsy hiverina any amin'ny mpanjaka intsony izy raha tsy efa nahazo fifaliam-be tamin-dravehivavy, ka niantso azy indray. 15 Rehefa tonga ny fotoanan'i Estera (zanaka vavin'i Abihaila, rahalahin-drain'i Mordekay, izay efa nandray azy toy ny zanany vavy) hidirany tao amin'ny mpanjaka, dia tsy nangataka na inona na inona izy, ankoatr'izay natolotr'i Hegay tsindranolahin'ny mpanjaka, izay niandraikitra ireo vehivavy, ihany. Ary nahazo fankasitrahana tamin'izay rehetra nahita azy i Estera. 16 Dia nentina tany amin'i Ahasoerosy mpanjaka ho ao amin'ny toeram-ponenan'ny mpanjaka tamin'ny volana faha folo i Estera, izay volan'i Tebeta, tamin'ny fahafito taona nanjakany. 17 Dia tian'ny mpanjaka mihoatra noho ireo vehivavy rehetra i Estera ary nahazo fanekena sy fankasitrahana teo anatrehany izy, mihoatra noho ireo virijiny rehetra. Noho izany dia nosatrohiny satro-boninahitra teo amin'ny lohany ary nataony mpanjakavavy ho solon'i Vasty izy. 18 Dia nanome fanasana lehibe ho an'ireo manampahefany rehetra sy ireo mpanompony rehetra ny mpanjaka, "fanasan'i Estera," ary nomeny fahafahana tamin'ny fandoavan-ketra ireo faritany. Dia nanome fanomezana tamin'ny fahalalahan-tanan'ny mpanjaka koa izy. 19 Ary rehefa tafangona fanindroany ireo virijiny, dia nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka i Mordekay. 20 Mbola tsy nilaza tamin'iza na iza mahakasika ireo havany na ny fireneny i Estera, arak'izay nananaran'i Mordekay azy. Dia nanaraka hatrany ny toro-hevitr'i Mordekay izy, arak'izay efa nataony fony izy notezainy. 21 Tamin'izany andro izany, raha nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka i Mordekay, dia sorena sy nitady hanisy ratsy an'i Ahasoerosy mpanjaka, ny roa tamin'ireo tsindranolahy, dia Bigtana sy Taresy, izay niambina ny vavahady. 22 Rehefa fantatr'i Mordekay ny zava-misy, dia notantarainy tamin'i Estera mpanjakavavy, ary Estera kosa niresaka tamin'ny mpanjaka tamin'ny anaran'i Mordekay. 23 Voahadihady sady voamarina ny tatitra, ka nahantona tamin'ny hazo fanantonana izy mirahalahy. Nosoratana tao anatin'ny Bokin'Ny Tantara teo anatrehan'ny mpanjaka izany tantara izany.
Io dia mampiditra tantara vaovao izay nitranga taty aoriana
"nihena ny hatezeran'ny mpanjaka"
Io dia manondro ilay didy tao amin'ny 1:19
DH: "lazao ireo mpanomponao mba hikaroka"
Nanohy niresaka tamin'ny mpanjaka ilay tovolahy mpanompo.
Hadikao toy ny tao amin'ny 1:1
"toerana nihazomana ireo vadin'ny mpanapaka"
Hadikao toy ny tao amin'ny 1:5.
Hadikao toy ny tao amin'ny 1:1.
DH: "Aoka i Hagay, tsidranonlahin'ny mpanjaka, izay mpiandraikitra ireo vehivavy, hikarakara azy ireo"
Izany dia anaran-dehilahy.
Ny "fikoloana tarehy" dia zavatra toy ny menaka fanosotra, na vovoka izay matetika hahosotr'ireo vehivavy amin'ny tarehy na ny vatan'izy ireo mba hanatsarana ny endrik'izy ireo.
Io dia mampiditra an'i Mordekay ho mpandray anajara vaovao ao amin'ilay tantara.
Hadikao toy ny tao amin'ny 1:1 ny anaran'ilay tanàna.
"Jaira," "Simey," ary "Kisy" dia ireo lehilahy izay nihavian'i Mordekay.
"Avy amin'ny fokon'i Benjamina"
Io dia fampahafantarana izay manazava ny fomba nahatongan'i Mordekay hiaina tao Sosana. DH: "Nentin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babilona izy sy ireo sesitany hafa niaraka tamin'i Jekonia, mpanjakan'i Joda"
Ny lahatsoratra Hebreo dia tsy nanazava hoe iza ilay resahina eto. Mety i Kisy, izay dadaben'ny dadaben'i Mordekay. Raha i Mordekay tenany izany, dia tena efa antitra dia antitra tokoa izy tamin'izany tantara mahakasika an'i Estera izany. Maro amin'ireo andiany vaovao no mamela izany zavatra izany ho tsy mahazava. Misy andiany vitsivitsy, ao anatin'izany ny UDB, no nisafidy fa i Mordekay ilay nentina avy tany Jerosalema.
Ity dia manohy manome fanazavana mahakasika an'i Mordekay ary manazava ny fifandraisany tamin'i Estera.
Izany no anarana Hebreo an'i Estera.
"zanakin'ny mpirai-tampo aminy"
"efa nodimandry ny ray sy reniny"
"nokarakarainy toy ny zanany vavy izy"
DH: "Taorian'ny nandidian'ny mpanjaka azy ireo mba hitady vehivavy tsara tarehy"
"nilazana"
DH:"nitondra tovovavy maro izy ireo"
Hadikao toy ny tao amin'ny 1:5 izany.
DH: "nanomboka nikarakara azy ireo i Hagay"
DH: "nanomboka nikarakara an'i Estera ihany koa i Hagay, ilay mpiandraikitra ny vehivavy rehefa nentin'izy ireo tao amin'ny lapa izy"
Ireo fehezanteny roa ireo dia samy mitovy ny heviny ary manamafy ny haben'ny hafaliany"
"Estera"
"manao ahoana i Estera"
Ny andininy 12-14 dia fampahafantarana momban'ireo fomba fatao amin'ireo vehivavy izay lasa vadin'ny mpanjaka.
"atao mifanaraka amin'ny zavatra takiana amin'ireo vehivavy"
Natao ireo zavatra ireo mba hahatsara tarehy kokoa sy haha manitra ireo tovovavy.
Ampiasao ilay teny na fehezanteny izay efa nampiasaina tao amin'ny 2:3.
"afaka nahazo izay rehetra niriany izy"
Hadikao toy toy ny tao amin'ny 1:5;
Ity dia manohy ny fampahafantarana izay nanomboka tao amin'ny 2:12 mahakasika ireo fomba atao amin'ireo vehivavy izay ho lasa vadin'ny mpanjaka.
Izany dia midika fa nitranga izany ny andro manaraka. DH: "ny ampitson'io"
"trano hafa"
izany dia anaran-dehilahy
Io dia mampiditra fizarana vaovao amin'ny tantara.
Io fampahafantarana io dia mampatsiahy ny fifandraisan'i Estera tamin'i Mordekay.
"Abihaila" no anaran'ny rain'i Estera ary dadatoan'i Mordekay.
DH: "izay ... ihany"
Hadikao toy ny tao amin'ny 2:3 ny anaran'ilay lehilahy.
Io dia fomba fiteny. DH: "nankasitrahin'ny rehetra"
"Tebeta" no anaran'ny volana faha folo amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritry ny faran'ny volana Desambra hatramin'ny fiandohan'ny volana Janoary amin'ny tetiandron'ny tandrefana.
Izany dia fomba fanehom-pitiavana amin'ny fampiasana ny teny hoe "tia".
Ireo fomba fiteny ireo dia zavatra mitovy ihany ary samy manamafy ny haben'ny fankasitrahan'ny mpanjaka an'i Estera. DH: "tena nankasitrahiny tokoa"
Nanao izany ny mpanjaka mba ampisehoana fa ho ataony mpanjaka vaviny izy.
Mety manampy ny filazana fa izany no anaran'ilay firavoravoana. DH: "nantsoiny hoe: "''fanasan'i Estera,''
"ny fanangonan-ketra"
hadikao toy ny tao amin'ny 1:1.
"fanomezana izay ny mpanjaka ihany no afaka manome azy"
Tsy fantatra mazava hoe oviana ilay fihaonana faharoa no nitranga, ary nahoana. Na izany aza dia misy amin'ireo andiany hafa no mampifamadika ilay lahatsoratra. Tsara kokoa mandika izany araka izay efa voasoratra.
"fotoana iray manaraka" na "fotoana fanampiny"
Ireo mety ho heviny 1) nipetrak teo i Mordekay mba ahafahany mahafantatra ny momban'i Estera amin'ny alalan'ireo olona maro be mandalo teo amin'ilay vavahady na 2) "nipetraka teo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka" dia manambara fa i Mordekay dia nomen'ny mpanjaka toerana ambony.
"vavahady mankany amin'ny lapan'ny mpanjaka"
Tsy navelan'i Mordekay hilaza amin'iza na iza mahakasika ny fianakaviany izy.
Io dia mampiditra tranga vaovao ao amin'ny tantara.
Ireo dia anran-dehilahy.
DH: "Rehefa fantatr'i Mordekay ny fikasan'izy ireo"
DH: "nanadihady sy nanamarina ilay tatitra ny mpanjaka, ary nanome baiko ireo mpanompony hanantona azy roa lahy"
Izany dia fitaovana nampiasaina hamonoana olona amin'ny famatorana ny ilany ilay tady amin'ny ilay hazo ary ny ilany amin'ny tendan'izy ireo ary ampiantonona amin'izany. DH: "hazo fanantonana olona"
DH: "Noraketin'izy ireo izany tantara izany"
1 Taorian'ireo zavatra ireo, dia nasandratr'i Ahasoerosy mpanjaka i Hamana zanak'i Hamedota ao Agagita, ary napetrany ambonin'ireo manam-pahefana rehetra izay niaraka taminy ny toeram-pahefany. 2 Ireo mpanompon'ny mpanjaka rehetra izay tao am-bavahadin'ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka tamin'i Hamana, arak'izay nibakoin'ny mpanjaka hataon'izy ireo. Saingy tsy nandohalika na niankohoka taminy i Mordekay. 3 Dia hoy ireo mpanompon'ny mpanjaka izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka tamin'i Mordekay hoe: "Nahoana ianao no tsy mankatoa ny didin'ny mpanjaka?" 4 Niresaka taminy isan'andro izy ireo, saingy nandà ny hanatanterahana ny fangatahan'izy ireo izy. Koa dia niresaka tamin'i Hamana izy ireo mba hizaha raha nijanona toy izany ilay zavatra momban'i Mordekay, fa izy dia efa nilaza tamin'izy ireo fa Jiosy izy. 5 Rehefa hitan'i Hamana fa tsy nandohalika sy niankohoka taminy i Mordekay, dia feno fahatezerana izy. 6 Nandà ny hevitra hamono an'i Mordekay irery ihany izy, fa ireo mpanompon'ny mpanjaka nilaza taminy hoe iza moa ny vahoakan'i Mordekay. Naniry ny handringana ny Jiosy rehetra i Hamana, ny vahoakan'i Mordekay, izay tao amin'ny fanjakan'i Ahasoerosy manontolo. 7 Tamin'ny volana voalohany (izay volan'i Nisana), tamin'ny faharoa ambin'ny folo taona nanjakan'i Ahasoerosy, dia ny Pora—izany no loka—natsipy teo anoloan'i Hamana, mba hifidianana andro sy volana. Dia natsipin'izy ireo ombieny ombieny ny loka mandra-pilatsahan'izany teo amin'ny volana faha roambin'ny folo (izay volan'ny Adara). 8 Dia hoy Hamana tamin'i Ahasoerosy Mpanjaka hoe: "Misy vahoaka sasany miely sy miparitaka manerana ny faritanin'ny fanjakanao rehetra. Ny lalàn'izy ireo dia hafa noho ny an'ny vahoaka sasany, ary izy ireo dia tsy mba mitandrina ny lalàn'ny mpanjaka, ka tsy mahasoa ny mpanjaka ny famelana azy ireo hijanona. 9 Fa raha sitraky ny mpanjaka, dia manomeza baiko mba hamonoana azy ireo, ary handoa talenta volafotsy iray alina eo an-tanan'ny mpanao raharahan'ny mpanjaka aho, mba ho entina ao amin'ny rakitry ny mpanjaka." 10 Dia nandray peratra fitombokase tamin'ny tanany ny mpanjaka ary nomeny an'i Hamana zanaka lahin'i Hamedata Agatita, fahavalon'ireo Jiosy. 11 Hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana hoe: "Hitako fa naverina taminareo sy ny vahoakareo ny vola. Ho ataonareo amin'izay rehetra hirinareo izany." 12 Dia voaantso tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany ireo mpanora-dalàn'ny mpanjaka, ary ny lalàna rehetra izay nandidian'i Hamana dia nosoratana ho an'ireo governoram-paritanin'ny mpanjaka, ireo izay teo amin'ny faritany rehetra, ho an'ireo governoran'ny olona samihafa rehetra, ary ho an'ny manam-pahefan'ny vahoaka rehetra, isakin'ny faritany ny sora-tanan'izy ireo, ary ho an'ny vahoaka rehetra isakin'ny fiteniny avy. Dia nosoratana tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka izany ary voatombokase tamin'ny peratrany. 13 Natolo-tanana tamin'ny alalan'ireo iraka tany amin'ny faritanin'ny mpanjaka rehetra ireo antontan-taratasy, mba handringanana, hamonoana, ary hamotehana ny Jiosy rehetra, manomboka amin'ny tanora ka hatramin'ny antitra, ary ny ankizy sy ny vehivavy, anatin'ny andro iray—amin'ny andro faha-telo ambin'ny folo amin'ny volana faharoa ambin'ny folo (izay volan'i Adara) —ary mba handrobana ny haren'izy ireo. 14 Natao lalàna isaky ny faritany ny dika amin'ilay taratasy. Dia nampahafantarina ny vahoaka rehetra isaky ny faritany rehetra fa tokony hiomanan'izy ireo ho amin'izany andro izany. 15 Dia nivoaka ireo iraka ary nizara faingana ny didin'ny mpanjaka. Efa voazara tao amin'ny fiarovana mafin'ny Sosana ihany koa ny lalàna. Nipetraka mba hisotro i Hamana sy ny mpanjaka, saingy tao anaty korontana ny tanànan'ny Sosana.
Izany dia mampiditra tranga vaovao ao anatin'ny tantara.
Izany no anarana sy fanoritsoritana an'i Hamana, iray amin'ireo tsindranonlahin'ny mpanjaka.
Eto ny "toeram-pahefana" dia mampiseho ny toerana misy azy tao amin'ny governemanta. DH: "nampiakatra azy ambonin'ireo manam-pahefana hafa" na "nanome azy fahefana mihoatra noho ireo manam-pahefana hafa"
Ireo fihetsika ireo dia fanehoana fankatoavana ny fahefan'i Hamana.
"Nanetry ny tenan'izy ireo ary nitsilany tamin'ny tany teo anatrehan'i Hamana"
"mba ahafantarana izay ho ataon'i Hamana mahakasika an'ireo fihetsik'i Mordekay"
Nampiseho tsy fanajana ny toerana misy an'i Hamana ao amin'ny governemanta i Mordekay tamin'ny tsy fanaovana ireo fihetsika ireo.
Eto ny fahatezeran'i Hamana dia resahina toy ny hoe zavatra afaka mameno ny tenany. DH: "niha tezitra mafy i Hamana"
"Nolaviny ny famonona an'i Mordekay irery ihany." DH: "Naniry ny hamono olona maro hafa ankoatran'i Mordekay izy"
"hamono ny Jiosy rehetra"
"Nisana" no anaran'ny volana voalohany ho an'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritry ny faran'ny volana Martsa ka hatramin'ny fiandohan'ny volana Aprily amin'ny tetiandro tandrefana.
"tamin'ny faharoa ambin'ny folo taona naha mpanjaka an'i Ahasoerosy" na "rehefa nanjaka faharoa ambin'ny folo taona i Ahasoerosy mpanjaka"
"natsipin'izy ireo ny Pora—izany no loka—"
"Adara" no anaran'ny volana faharoa ambin'ny folo ary volana farany amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritry ny faran'ny volana Febroary sy fiandohan'ny volana Martsa amin'ny tetiandro tandrefana.
"vondron'olona." Izany dia manondro ireo Jiosy ho toy ny foko iray.
"Izay mipetraka any amin'ny toerana samihafa"
Hadikao toy ny tao amin'ny 1:1.
ny mpanjaka dia tsy tokony hamela azy ireo hijanona." DH:"ny mpanjaka dia tokony hanala azy ireo"
Eto ny "tanana" dia manambara ireo lehilahy. "handoa" dia fomba fiteny izay midika fa hanakarama azy ireo. DH: "hanakarama ... an'ireo lehilahy"
Pieratra manokana izay nampiasaina mba hanasina fitombokase ofisialin'ny mpanjaka amin'ny fanambarana.
Ny hevitr'io fehezanteny io dia tsy mazava. Ireto no ho heviny 1) "haveriko aminao ireo vola" na 2) "raiso ilay vola ary omeo ireo lehilahy araka ny efa nolazainao izany."
DH: "Nampiantso ireo mpanora-dalànany ny mpanjaka ... nanoratra lalàna mirakitrany didin'i Hamana rehetra izy ireo"
Io dia volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahatelo ambin'ny folo dia manakaiky ny fiandohan'ny volana Aprily ho an'ny tetiandro tandrefana.
"governoran'ireo faritany." Hadikao toy ny tao amin'ny 1:1 ny hoe "faritany."
DH: "Nosoratan'izy ireo amin'ny anaran'ny Ahaseorosy mpanajaka ilay lalàna ary notombohan'i Hamana tamin'ny tombokasen'ny mpanjaka izany"
Eto ny "anarana" dia maneho ny fahefan'ny mpanjaka.
notolorana -Izany filazana izany dia manambara fa natolotr'izy ireo manokana ireo taratasy. DH: "notolorana manokana"
Ireo teny ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy ilay famotehana tanteraka. DH: "faharavana tanteraka"
"Adara" no anaran'ny volana faharoa ambin'ny folo sy farany amin'ny tetiarana Hebreo. Ny andro fahatelo ambin'ny folo dia manakaiky ny fiandohan'ny volana Martsa amin'ny tetiarana tandrefana
"maka an-keriny"
DH: "Ireo manam-pahefana isaky ny faritany dia nanao dika mitovy tamin'ilay taratasy izay lasa lalàna"
hadikao toy ny tao amin'ny 1:1.
DH: "Nolazain'izy ireo ny vahoaka rehetra isaky ny faritany"
DH: "Nozarain'izy ireo ihany koa ilay lalàna"
"tsy nilamina"
1 Rehefa fantatr'i Mordekay izay efa vita rehetra, dia norovitiny ny akanjony ka nitafy lamba fisaonana sady nihoson-davenona izy. Nandeha nivoaka teo afovoan'ny tanàna izy, ary nihikiaka sy nidradradradra mafy. 2 Tonga lavitra teo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka fotsiny izy, satria tsy nisy olona nahazo alalana andeha eo amin'izany miaraka amin'ny akanjo fisaonana. 3 Ary tany amin'ny faritra rehetra, na taiza na taiza tongan'ny baiko sy lalàn'ny mpanjaka, dia nisy fisaonana lehibe teo amin'ireo Jiosy, niaraka tamin'ny fifadian-kanina, fitomaniana, ary fitarainana. Maro amin'izy ireo no nandry teo amin'ny lamba fisaonana aman-davenona. 4 Rehefa tonga ny ankizivavin'i Estera sy ireo mpanompony ary niteny taminy, dia nalahelo mafy ilay mpanjaka vavy. Nandefa fitafy hampiankanjoana an'i Mordekay izy (mba afahany manala ny akanjo fisaonany), saingy tsy hanaiky ireo izy. 5 Avy eo Estera niantso an'i Hatàka, iray amin'ireo tsindranolahin'ny mpanjaka izay notendrena hanompo azy. Nibaiko azy mba handeha any amin'i Mordekay izy mba hahafantarana izay nitranga sy izay anton'izany. 6 Noho izany dia nankany amin'i Mordekay any amin'ny tanàna eo anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka i Hakàta. 7 Nolazain'i Mordekay taminy izay rehetra nitranga taminy, sy ny fitambaran'ny volafotsy izay nampanantenain'i Hamana haloa sy hapetraka ao amin'ny trano fitehirizan'ny mpanjaka mba hamonoana ireo Jiosy. 8 Nomeny azy koa ny dika mitovy tamin'ny lalàna izay navoaka tany Sosana ny amin'ny fanapotehana ny Jiosy. Nataony izany mba afahan'i Hatàka mampiseho izany amin'i Estera, sy mba hanomezany azy ny andraikitra amin'ny fandehanana any amin'ny mpanjaka mba hitalaho ny fankasitrahany, ary hitalaho aminy amin'ny anaran'ny vahoakany. 9 Koa dia nandeha i Hatàka ary nilaza tamin'i Estera izay nolazain'i Mordekay. 10 Avy eo Estera niresaka tamin'i Hatàka ary nilaza taminy mba hiverina any amin'i Mordekay. 11 Hoy izy hoe: "Fantatr'ireo mpanompon'ny mpanjaka rehetra sy ny vahoakan'ireo mpanjaka any amin'ny faritra fa raha misy lehilahy na vehivavy mankany amin'ny mpanjaka ao anatin'ny kianja nefa tsy nampanantsoina, dia misy lalàna iray fotsiny: dia ny hamonoana azy ho faty—ankoatr'izay tondroin'ny mpanjaka amin'ilay tehim-bolamena mba afahany ho velona. Tsy nantsoina hankany amin'ny mpanjaka aho izay telopolo andro izay." 12 Noho izany dia notaterin'i Hatàka tamin'i Mordekay ireo tenin'i Estera. 13 Nandefa izao hafatra izao Mordekay hoe: "Tsy tokony hieritreritra ianao fa ao amin'ny lapan'ny mpanjaka, no afahanao mihoatra noho ireo Jiosy hafa rehetra. 14 Raha mangina ianao amin'izao fotoana izao, dia hisy fanafahana sy famonjena hiseho amin'ireo Jiosy any amin'ny toerana hafa, fa ianao sy ny tranon'ny rainao kosa ho ringana. Iza no mahalala raha ho amin'ny fotoana tahaka izao no nahatongavanao ho amin'ny toerana maha-mpanjaka?" 15 Avy eo Estera nandefa izao hafatra izao tamin'i Mordekay hoe: 16 "Mandehana, angony hiaraka ny Jiosy rehetra izay monina any Sosana, ary mifadia hanina ho ahy. Aza misotro na mihinana mandritry ny telo andro, alina sy andro. Izaho sy ireo ankizivaviko ihany koa dia hifady tahaka izany. Avy eo aho handeha any amin'ny mpanjaka, na dia mandika ny lalàna aza izany, ary raha maty aho, dia maty." 17 Lasa Mordekay ary nanao izay rehetra nolazain'i Estera azy mba hatao.
"nahafantatra ny momban' ireo taratasy"
Izany fihetsika izany fanehoana alahelo lehibe. DH: "norovitiny ny akanjony ka nitafy lamba fisaonana sy nihoson-davenona mba hampisehoany ny alahelony"
Hadikao toy ny tao amin'ny 1:1 izany.
"nisaona tanteraka ireo Jiosy"
"nanao lamba fisaonana ary nipetraka teo amin'ny lavenona"
"ireo mpanompo lahy sy vavy"
"akanjo hanaovan'i Mordekay"
Hadikao toy ny tao amin'ny 4:4 izany anaran-dehilahy izany.
"Nomeny i Mordekay ihany koa"
"mba hitalaho ny fankasitrahan'ny mpanjaka"
Hadikao toy ny tao amin'ny 3:1 izany anarana izany.
Tsara raha zaraina roa izany fehezanteny izany. DH: "tsy misy lehilahy na vehivavy navelan'ny mpanjaka hiditra ao anatin'ny kianja raha tsy nampanantsoin'ny mpanjaka izy ireo. Ny olona izay mandika izany lalàna izany dia ho vonoina raha tsy hoe maninjitra ny tehiny eny aminy ny mpanjaka"
"30 andro"
Eto ny "fanafahana" sy "famonjena" dia resahina toy ny hoe zava-manan'aina izay afaka mitsangana. DH: "misy olona hafa hitsangana any amin'ny toerana hafa ary hanavotra ireo Jiosy"
Ny tanjona amin'ity fanontaniana ity dia ny ampisaina lalina an'i Estera mahakasika ny anjara toerany amin'ny zava-mitranga.
Hadikao toy ny tao amin'ny 1:1
Ny fifadian-kanina dia fihetsika fataon'ireo Jiosy rehefa mivavaka mafy izy ireo. DH: "mifadia hanina ary mivavaha amiko ... dia hifady sy hivavaka"
"3 andro"
1 Afaka telo andro, nanaovan'i Estera ny akanjo fiandrianany ary nandeha nitsangana tao anatin'ny kianjan'ny lapan'ny mpanjaka, teo anoloan'ny tranon'ny mpanjaka izy. Ny mpanjaka nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany tao amin'ny tranon'ny mpanjaka, mifanatrika amin'ny fidiran'ny trano. 2 Rehefa nahita an'i Estera mpanjaka nitsangana teo an-kianja ny mpanjaka, dia nahazo fankatoavana teo imasony izy. Notondroiny tamin'ny tehim-bolamena teny an-tanany izy. Ka dia nanatona i Estera ka nanendry ny tendron'ny tehim-panjakana. 3 Avy eo niteny taminy ny mpanjaka hoe: "Inona no ilainao, ry Estera mpanjaka? Inona no fangatahanao? Na dia mihoatra ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homena anao izany." 4 Hoy Estera hoe: "Raha sitraky ny mpanjaka izany, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana ho avy amin'ny fanasana izay nomaniko ho azy androany." 5 Dia niteny ny mpanjaka hoe: "Ento faingana Hamana, mba hanao izay nolazain'i Estera." Ka dia nankany amin'ny fanasana izay nomanin'i Estera ny mpanjaka sy Hamana. 6 Rehefa naroso tao amin'ny fanasana ny divay, dia niteny tamin'i Estera ny mpanjaka hoe: "Inona no tadiavinao? Fa homena anao izany. Inona no fangatahanao? Fa na dia mihoatra ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homena izany." 7 Namaly Estera hoe: "Izao no tadiaviko sy angatahiko, 8 raha mahita sitraka eo imason'ny mpanjaka aho ary raha sitraky ny mpanjaka ny hanome izay tadiaviko ary hanaja ny fangatahako, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana ho avy amin'ny fanasana izay homaniko ho anareo rahampitso ary dia hamaly ny fanontanian'ny mpanjaka aho.'" 9 Nivoaka tamin'izany andro izany tamin'ny fo faly sy ravo i Hamana. Fa rehefa hitan'i Hamana teo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka i Mordekay, ary tsy nitsangana na nangovitra tamin-tahotra teo anoloany i Mordekay, dia feno fahatezerana tamin'i Mordekay izy. 10 Na izany aza, dia nifehy ny tenany i Hamana ka nandeha tany an-tranony. Nampaniraka ireo namany izy ary nampivory azy ireo, niaraka tamin'i Zaresa vadiny. 11 Naverin'i Hamana notanisaina tamin'izy ireo ny famirapiratan'ireo hareny, ny isan'ireo zanany lahy maro, ny fampisondrotana rehetra izay nanomezan'ny mpanjaka voninahitra azy, ary ny fomba nandrosoany teo amin'ireo manamboninahitra sy ireo mpanompon'ny mpanjaka rehetra. 12 Hoy Hamana hoe: "Estera mpanjaka dia tsy nanasa olona afa-tsy izaho ho tonga miaraka amin'ireo mpanjaka amin'ny fanasana nomaniny. Na dia rahampitso koa aza dia nasainy hiaraka amin'ireo mpanjaka indray aho. 13 Nefa izany rehetra izany dia tsy mendrika na inona na inona ho ahy raha mbola mahita an'i Mordekay ilay Jiosy mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka aho." 14 Dia niteny tamin'i Hamana sy ireo namany rehetra Zaresa vadiny hoe: "Aoka izy ireo hanao hazo fanantonana dimampolo hakiho ny haavony. Amin'ny maraina dia miresaha amin'ny mpanjaka mba hanantonan'izy ireo an'i Mordekay eo amin'izany. Ary dia mandehana am-pifaliana miaraka amin'ny mpanjaka any amin'ny fanasana." Sitrak'i Hamana izany ary nanamboatra an'ireo hazo fanantonana izy.
Ny teny hoe "maso" eto dia milaza ny fahitana ary sariteny hamaritana ny toetran'i Estera. DH: "faly taminy izy" na "nandray azy izy"
Nanao izany izy mba hampisehoana fa faly taminy izy.
Mety nataon'izany mba nampisehoana fa manajana ny fahefany sy fisaorana tamin'ny hatsaram-panahiny izy.
DH: "raha mangataka mihoatran'ny antsasaky ny fanjakako ianao, dia omeko anao izany"
Mba hampisehoana fanajana ho an'ny mpanjaka, dia matetikany olona tsy miantso azy hoe "ianao". Izany dia azo ampiarahana amin'ny teny hafa izay mampiseho fanajana. DH: "Ry mpanjaka, raha sitrakao, manatona ary ento i Hamana ... ho anao" na "Tompoko, raha mazoto hanao izany ianao, manatona, ary aoka i Hamana hiaraka aminao ... ho anao"
Hadikao toy ny nataonao tao amin'ny 3:1 izany.
DH: "Inona ny angatahinao" na "inona no ilainao"
DH: "Omeko anao izay angatahinao" na "ho ataoko aminaoizay aangatahinao"
DH: "inona no ilainao"
DH : "raha mangataka mihoatra ny antsasaky ny fanjakako ianao, dia homeko anao izany"
Ny teny hoe "tadiaviko" sy "angatahiko" dia mitovy ny heviny. Mety nampiasa ireo teny ireo izy mba ampisehoana fahalalam-pomba sy ho fanajana amin'ilay mpanjaka.
ny hoe "mahita sitraka" dia fomba fiteny izay midika hoe nankatoavina na manaiky na koa hoe faly taminy izy. DH: "raha mandinika sy manaiky ny handray ahy ny mpanjaka"
Mba entina ampisehoana fanajana ho an'ny mpanjaka dia matetika ny olona tsy miantso azy hoe "ianao". Izany dia azo ampiarahana amin'ny teny hafa izay mampiseho fanajana. DH: "raha faly amiko ianao, ry mpanjaka, ary raha ankasitrahanao"
Izany dia azo ampiarahana amin'ny teny hafa izay mampiseho fanajana. DH: "raha sitrakao dia tongava ary ento i Hamana" na "raha sitrakao dia tongava ary aoka i Hamana hanaraka anao"
DH: "ary hamaly ny fanontanianao aho"
Ny fitsanganana dia mariky ny fanajana. Mordekay dia tsy nanome fanajana manokana ho an'i Hamana.
Ny hoe "feno fahatezerana" dia fanehoana hatezerena lehibe. DH: "tena tezitra mafy izy"
Ny fifehezan-tena dia fandavana hanao zavatra izay tena tiana atao. Te ampiseho fa tena tezitra mafy tamin'i Mordekay i Hamana. DH: "Nandà ny ampiseho ny hatezerany i Hamana"
Izany dia anaram-behivavy.
DH: "notantarain'i Hamana tamin'izy ireo ny habetsaky ny harenany" na "nolazain'i Hamana momban'ireo zavatra maro be ananany izy ireo"
Izany dia midika fa nanome asa manan-danja azy ny mpanjaka. DH: "Ny fomba nampisondrotan'ny mpanjaka azy imbetsaka sy nanomezany voninahitra azy" na "ny nanomezan'ny mpanjaka voninahitra azy imbetsaka tamin'ny fanomezana asa manan-danja azy"
DH: "ny nahalasa olona manan-danja azy mihoatran'ny manam-boninahitra sy mpanompon'ny mpanjaka rehetra azy"
Izany dia azo hadika ko hoe: "izaho ihany"
"tsy mahafaly ahy" na "tsy ankasitrahako"
Izany dia fitaovana nampiasaina hamonoana olona amin'ny famatorana ny ilany ilay tady amin'ny ilay hazo ary ny ilany amin'ny tendan'izy ireo ary ampiantonona amin'izany. DH: "hazo fanantonana olona". Jereo ny nandikanao azy tao amin'ny 2:22
"50 hakiho ny haavony". Afaka havadikao amin'ny fandrefesana moderina izany. DH: "roa amby roapolo metatra ny haavony"
"nasainy nanamboatra hazo fanantonana ny olona"
"tian'i Hamana izany hevitra izany"
1 Tsy nahita tory ny mpanjaka tamin'iny alina iny. Nandidy ny mpanompo izy mba hitondra ny boky fitehirizana tantara tamin'ny fotoana nitondrany, ary novakiana mafy tamin'ny mpanjaka izany. 2 Voarakitra tao fa niresaka ny momban'i Bigtana sy Taresy i Mordekay, roa tamin'ireo manamboninahitry ny mpanjaka izay niandry ny varavarana fidirana, izay nikasa ny hanao ratsy ny mpanjaka Ahasoerosy. 3 Dia nanontany ny mpanjaka hoe: "Inona moa no efa mba natao mba nanomezana voninahitra na nankatoavana an'i Mordekay tamin'ny nanaovany izany?" Ary ireo zatovo lahin'ny mpanjaka izay nanompo azy niteny hoe: "Tsy nisy natao taminy." 4 Hoy ny mpanjaka hoe: "Iza no ao an-kianja ao? Sendra tonga teo an-kianja ivelan'ny tranon'ny mpanjaka i Hamana mba hiteny aminy ny amin'ny hanantonany an'i Mordekay eo amin'ny hazo fanantonana izay efa natsangany ho azy. 5 Niteny taminy ireo mpanompon'ny mpanjaka hoe: "Hamana no mijoro eo an-kianja." Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Avelao izy hiditra." 6 Rehefa niditra Hamana dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Inona no tokony atao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra?" Dia hoy Hamana niteny anakampo hoe: "Iza moa no homen'ny mpanjaka voninahitra ankoatra ahy?" 7 Hoy Hamana tamin'ny mpanjaka hoe: "Ho an'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka omem-boninahitra, 8 aoka ho entina ny akanjo lava fiandrianana, akanjo izay efa fanaovan'ny mpanajaka, ary ny soavaly izay efa notaingenan'ny mpanjaka, ary eo amin'ny lohany ny satro-boninahitra. 9 Ary aoka ny akanjo sy ny soavaly homena ny iray amin'ireo manamboninahitra mendri-kaja indrindra. Aoka izy ireo hampiakanjo ny lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra, ary aoka izy ireo hitarika azy hitety ny lalan'ny tanàna amin'ilay soavaly. Koa aoka izy ireo hanambara hoe: 'izao no natao tamin'ilay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra!'" 10 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana hoe: "Faingàna, alaivo ny akanjo sy ny soavaly, araka izay efa nolazainao, ary ataovy ho an'i Mordekay ilay Jiosy izay mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka izany. Aza misy atao latsaka ireo izay nolazainao." 11 Ary Hamana naka ilay akanjo sy ilay soavaly. Dia nampiakanjoany i Mordekay ary nentiny nitety ny lalan'ny tanàna rehetra tamin'ilay soavaly izy. Nanambara teo anoloany izy hoe: "Izao no natao tamin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra!" 12 Niverina teo am-bavahadin'ny mpanjaka i Mordekay, fa Hamana kosa nanafaingana ny soavaliny ho any an-tranony, nalahelo, nisaron-doha. 13 Notantarain'i Hamana tamin'i Zaresy vadiny sy ireo sakaizany rehetra ny zava-drehetra nihatra taminy. Ary ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny niteny taminy hoe: "Raha Mordekay, izay niantomboka nandavo anao teo anatrehany, no Jiosy, dia tsy hahatratra azy mihitsy ianao, fa dia ho lavo eo anatrehany tokoa ianao." 14 Raha mbola niresaka taminy izy ireo, dia tonga ireo manamboninahitry ny mpanjaka. Dia nitondra faingana an'i Hamana tany amin'ny fanasana izay efa nomanin'i Estera izy ireo.
Ireo no anaran'ireo lehilahy roa. Izy ireo dia resahina ao amin'ny 2:19, saingy ny anaran'i Bigtana dia notononina hoe "Bigtan". Afaka hadikanao toy ny nataonao tao izany na araky ny fanononana izany ao amin'io andininy io.
DH: "Hitan'izy ireo fa voarakitra tao ireo mpanoratra" na "fantatr'izy ireo fa voasoratra tao ireo mpanoratra"
DH: "Inona no efa nataoko hanomezana voninahitra" na "Inona no nataontsika hanomezana voninahitra azy"
Tsara kokoa raha mitady fomba hafa tsy mampiseho fa miampanga ny mpanjaka ireo mpanompony. DH: "Tsy nisy nanao na inona na inona ho an'i Mordekay"
Hadikao toy ny tao amin'ny 3:1 izany anaran-dehilahy izany
"ilay kianja voalohany ao ivelany"
Azo hazavaina ny tanjona amin'ny fanantonana azy. DH: "hamono an'i Mordekay amin'ny fanantonana azy
Ny hazo fanantonana dia rafitra iray izay nampiasaina hamonona olona amin'ny alalan'ny fanantonana azy eo amin'izany. Jereo ny fomba nandikanao izany "hazo fanantonana" izany tao 5:14. DH: "ilay rafitra izay nantsangana hanantonana azy"
"namboarina"
DH: "Ny mpanjaka dia faly manome voninahitra" na "ny mpanjaka dia naniry ny hanome voninahitra"
Ny fo dia maneho ny eritreritra sy fihetsika. DH: "nisaina" na "niteny tamin'ny tenany"
Izany dia azo atao amin'ny endrika manambara. "Azo antoka fa tsy misy olona mahafaly ny mpanjaka ny manome voninahitra azy ankoatra ahy!"
DH: "Aoka hisy olona hanatitra ny akanjo lava fiandrianana" na "lazao ireo mpanomponao mba hitondra ny akanjo lava fiandrianana"
Ny satro-boninahitra dia marika manokana izay mampiseho ny fianakavian'ny mpanjaka.
DH: "Ary aoka omena azy ireo ny akanjo sy ny soavaly"
"Aoka ny manamboninahitra mendri-kaja sy ireo mpanompo hanambara"
Izany fehezanteny izany dia manamafy fa tsy maintsy manatanteraka ny zavatra rehetra izay nolazainy izy. DH: "Ataovy azo antoka fa tena ho ataonao ny zavatra izay nolazainao"
Matetika ny olana no mandrakotra ny lohany mba ampisehoana fa tena malaelo na menatra izy.
Resahan'izy ireo toy ny hoe miady i Hamana sy Mordekay, ary miha resy i Hamana amin'ilay ady. Ny faharesena anaty ady dia midika ho fahafaham-baraka. DH: "eo anatrehan'ilay nahatonga anao ho tsy hanam-boninahitra" na "eo anatrehan'ilay nanambany anao"
Hadikao toy ny nataonao tao amin'ny 6:12 izany anaram-behivavy izany.
"tsy haresy azy ianao". Eto dia resahina toy ny hoe miady i Hamana sy Mordekay. Ny fahatratrarana olona iray dia midika ho fananana voninahitra lehibe kokoa noho izay ananan'ilay iray hafa"
Eto dia resahina toy ny hoe miady i Hamana sy Mordekay. Ny fahalavoana, na faharesena dia midika ho fahafaham-baraka. DH: "azo antoka fa ho afa-baraka eo anatrehany ianao"
1 Koa dia nandeha nanao firavoravoana niaraka tamin'i Estera Mpanjaka ny mpanjaka sy Hamana. 2 Tamin'io andro faharoa io, raha iny izy ireo nandroso divay iny, dia hoy ny mpanjaka tamin'i Estera hoe: "Inona no fanirianao, ry Estera Mpanjaka? Ho tanterahina aminao izany. Inona no fangatahanao? Hatramin'ny antsasaky ny fanjakana, dia ho tanterahina izany." 3 Dia namaly Estera Mpanjaka hoe: "Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry mpanjaka, ary raha ankasitrahanao, dia aoka homena ahy ny aiko—izany no faniriako, ary mangataka izany ho an'ny vahoakako ihany koa aho. 4 Fa namidy izahay, izaho sy ny vahoakako, mba ho potehina, ho vonoina, ary ho ringanina. Raha namidy ho amin'ny fanandevozana fotsiny mantsy izahay, mba ho andevo lahy sy vavy, dia ho nangina aho, satria tsy ho nisy fahoriana tahaka izao afaka hanamarina ny fanelingelenana ny mpanjaka." 5 Dia hoy i Ahasoerosy Mpanjaka tamin'i Estera mpanjakavavy hoe: "Iza izany? Aiza no hahitana ilay olona nanesitsesika ny fony hanao zavatra tahaka izany?" 6 Hoy Estera hoe: "Ilay lehilahy rafy, izany fahavalo izany, dia ilay Hamana ratsy iny!" Dia nihorohoro teo anatrehan'ny mpanjaka lahy sy ny mpanjaka vavy i Hamana. 7 Nitsangana tamin-katezerana avy teo amin'ny fisotroan-divay tao amin'ny fanasana ny mpanjaka ka nandeha tao amin'ny zaridainan'ny lapa, saingy nijanona mba hitalaho ny amin'ny ainy tamin'i Estera Mpanjaka i Hamana. Tsinjony fa efa nisy loza tapaky ny mpanjaka ho azy. 8 Dia niverina avy tany an-jaridainan'ny lapa ny mpanjaka ka niditra tao amin'ny efitrano izay nandrosoana ny divay. Teo dia nianjera teo amin'ny seza lava nisy an'i Estera i Hamana. Hoy ny mpanjaka hoe: "Hamely ny mpanjaka vavy eo anatrehako ato amin'ny tranoko mihitsy ve izy?" Vantany vao nivoaka avy tao am-bavan'ny mpanjaka izany fehezanteny izany, dia nosaronan'ireo mpanompo ny tavan'i Hamana. 9 Avy eo dia niteny Harbona, iray tamin'ireo tandapa nanompo ny mpanjaka hoe: "Misy hazo fanantonana dimampolo hakiho miorina eo akaikin'ny tranon'i Hamana. Naoriny ho an'i Mordekay io, ilay iray izay niteny mafy mba hiaro ny mpanjaka." Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Ahantony eo amin'izany izy." 10 Koa dia nahanton'izy ireo teo amin'ilay hazo fanantonana izay nomaniny ho an'i Mordekay i Hamana. Avy eo dia lefy ny fahatezeran'ny mpanjaka.
Hadikao toy ny nataonao tao amin'ny 3:1 izany anaran-dehilahy izany.
"tamin'ny andro faharoan'ny firavoravona"
"raha nandraraka ny divay ireo mpanompony ka nanome izany azy ireo' na "raha naroso iny ny divay"
DH: "Inona no fangatahanao" na "Inona tadiavinao"
DH: "Omeko anao izay angatahinao" na "ho ataoko izay angatahinao"
DH: "raha mangataka mihoatran'ny hatsasan'ny fangatahako ianao, dia homeko anao izany"
Ny "nahita fitia" dia fomba fiteny midika ho fankasitrahana na koa hoe faly taminy izy. Ny "eo imasonao" dia sarinteny maneho fandinihana na fanombanana zavatra iray. DH: "rehefa nandinika ahy ianao ka nankasitraka" na "raha faly tamiko ianao"
ny fanomezana aina dia midika ho fanavotana olona iray amin'ny famonoana. DH: "nanavotra ny aiko"
DH: "izany no fangatahako"
Ny famarotana eto dia midika fa nisy namadika. DH : "satria nisy namadika izahay" na "fa nisy nanolotra anay teo amin'ny fahavalonay"
Eto ireo teny ireo dia samy mitovy ny heviny ary nampiasaina mba ho fanamasina. DH: "mba ho potehina, vonoina, ary ambanin'ireo fahavalonay anay"
nanesitsesika ny fon'ny olona iray dia fomba fiteny izay midika fa masahy manao zavatra. DH: "Aiza ilay olona izay nahasahy zavatra toy izany"
"natahotra mafy"
DH: "tena tezitra mafy ilay mpanjaka ka nitsangana"
"hitalaho amin'i Estera mpanjaka mba hanavotra ny ainy"
Eto ny mahatsinjo dia midika fahafantarana zavatra iray. DH: "Fantany fa misy loza efa tapaka"
DH: "nanapa-kevitra ny hiteraka loza ho azy ny mpanjaka" na "nanapa-kevitra ny hamotika azy ny mpanjaka"
DH: "izay nandrosoan'ireo mpanompo ny divay"
fanaka lava izay azon'ny olona hipetrahana na hitsorana
Nametraka io fanontaniana io ny mpanjaka mba hampisehoana ny fahatairany sy fahatezerany tamin'ny nataon'i Hamana. DH : "Sahiny tokoa ny nanafika ny mpanjaka vavy teo anatrehako sady tato an-tranoko!"
DH: "Vantany vao nilaza izany ny mpanjaka"
Raha ny fahitana azy dia nanao izany izy ireo satria fantatr'izy ireo fa ny mpanjaka dia naniry ny hamono an'i Hamana. DH: "nosaroman'ireo mpanompo ny tarehin'i Hamana ho famantarana fa ho vonoina izy"
Izany dia naran-dehilahy.
Azonao hadika amin'ny fandrefesana moderina izany "50 hakiho" izany. Ataovy dika mitovy amin'ilay fehezanteny tao amin'ny 5:14 izany. DH: "roa amby roapolo metatra ny haavony"
Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia resahina toy ny hoe afo izay lasa miha kely. DH: "avy eo dia niha nihena ny hatezeran'ny mpanjaka" na "tsy dia tezitra intsony ny mpanjaka avy eo"
1 Tamin'izany andro izany dia nomen'i Ahasoerosy Mpanjaka an'i Estera Mpanjaka vavy ny fananan'i Hamana, ilay fahavalon'ny Jiosy, ary Mordekay nanomboka nanompo teo anatrehan'ny mpanjaka, fa nolazain'i Estera tamin'ny mpanjaka ny fomba nifandraisan'i Mordekay taminy. 2 Nesorin'ny mpanjaka ny peratra tombo-kaseny, izay nalainy indray tamin'i Hamana, ary natolony an'i Mordekay izany. Nanendry an'i Mordekay ho mpiandraikitra ny fananan'i Hamana i Estera. 3 Dia niresaka tamin'ny mpanjaka indray i Estera. Niankohoka tamin'ny tany izy ka nitomany raha niangavy taminy ny mba hanafoanana ny hevi-dratsin'i Hamana ilay Agagita, amin'ny tetika izay noheveriny hanoherana ireo Jiosy. 4 Dia nanondro an'i Estera tamin'ny tehina volamena ny mpanjaka, dia niarina izy ary nijoro nanoloana ny mpanjaka. 5 Hoy izy hoe: "Raha sitraky ny mpanjaka, ary raha nahita fitia teo imasonao aho, raha marina eo anatrehan'ny mpanjaka izany, ary mahita sitraka eo imasonao aho, dia aoka ho soratana ny didy mba hanafoanana ireo taratasy nosoratan'i Hamana zanak'i Hamedata Agagita, ireo taratasy izay nosoratany mba hamono ireo Jiosy izay any amin'ireo faritanin'ny mpanjaka rehetra. 6 Fa hataoko ahoana no fijery ny loza miantraika amin'ny vahoakako? Hataoko ahoana ny haharitra hijery ny fandringanana ireo havako?" 7 Niteny tamin'i Estera mpanjaka sy tamin'i Mordekay ilay Jiosy i Ahasoerosy mpanjaka hoe: "Indro, efa nomeko an'i Estera ny tranon'i Hamana, ary nahanton'izy ireo tamin'ny hazo fanantonana izy, satria nandeha nanafika ireo Jiosy. 8 Manoràta didy hafa amin'ny anaran'ny mpanjaka ho an'ireo Jiosy ka tomboy amin'ny peratry ny mpanjaka izany. Fa ny didy izay efa voasoratra tamin'ny anaran'ny mpanjaka ary voatomboka tamin'ny peratry ny mpanjaka dia tsy afaka foanana." 9 Dia voaantso ireo mpanora-dalànan'ny mpanjaka tamin'izany fotoana izany, tamin'ny volana fahatelo, izay volan'ny Sivàna, tamin'ny andro fahatelo amby roa-polon'ny volana. Ny didy voasoratra dia mirakitra izay rehetra nandidian'i Mordekay mahakasika ireo Jiosy. Izany dia nosoratana ho an'ireo governoram-paritra, ireo governora sy manam-boninahitry ny faritra izay hatreo India ka hatrany Etiopia, faritany 127, ho an'ny isam-paritany nosoratana araka ny fiteniny avy, ary ho an'ireo Jiosy amin'ny soratra sy fitenin'izy ireo. 10 Nanoratra tamin'ny anaran'i Ahasoerosy Mpanjaka i Mordekay ary nanomboka izany tamin'ny peratra fitomboan-kasen'ny mpanjaka. Ny taratasy dia nalefany tamin'ny alalan'ny iraka mitaingin-tsoavaly haingam-pandeha izay nampiasaina ho amin'ny fanompoana ny mpanjaka, nalaina tao amin'ny tranon-tsoavalin'ny mpanjaka. 11 Nanome fahefana ireo Jiosy isaky ny tanàna ny mpanjaka mba hiara-hivory sy hiady mba hiarovana ny ain'izy ireo: mba handringanana, mba hamonoana, ary mba hamotehana izay herim-piadiana avy amin'ireo vahoaka na faritany izay mety hanafika azy ireo, ao anatin'izany ireo zaza amam-behivavy, na handrobana ny fananan'izy ireo. 12 Tokony niantraika tamin'ireo faritanin'i Ahasoerosy Mpanjaka rehetra izany, amin'ny andro fahatelo ambin'ny folo amin'ny volana faha-roa ambin'ny folo, izay volan'i Adara. 13 Ny dika mitovy tamin'ny didy dia tokony navoaka ho lalàna sy naseho am-pahibemaso ho an'ireo vahoaka rehetra. Ireo Jiosy dia tokony ho vonona hamaly faty ireo fahavalon'izy ireo. 14 Dia nitaingina ny soavalin'ny mpanjaka izay nampiasaina ho amin'ny fanompoana ny mpanjaka ireo iraka. Nandeha tsy nisy hatak'andro izy ireo. Navoaka avy tao amin'ny lapa tany Sosana ihany koa ny didin'ny mpanjaka. 15 Ary Mordekay niala teo anatrehan'ny mpanjaka nanao akanjo fiandrianana manga sy fotsy, sy satro-boninahitra volamena lehibe ary akanjo lava rongony fotsy madinika volom-parasy, ka dia nihiaka sy nifaly ny tanànan'i Sosana. 16 Nisy hazavana sy haravoana, ary hafaliana sy voninahitra teo amin'ireo Jiosy. 17 Tany amin'ny faritany tsirairay sy tany amin'ny tanàna tsirairay, na taiza na taiza nahatongavan'ny didin'ny mpanjaka, dia nisy hafaliana sy haravoana tamin'ireo Jiosy, fanasàna sy andro fifaliana. Maro tamin'ireo karazan'olona tamin'ny tany no lasa Jiosy, satria nilatsaka teo amin'izy ireo ny tahotran'ireo Jiosy.
Hadikao toy ny nataonao tao 3:1 izany anaran-dehilahy izany.
Izany pieratra izany dia misy ny anarana na marikin'ny mpanjaka eo aminy. Rehefa manisy tombo-kase eo amin'ny taratasy manan-danja iray izy, dia tsindriany eo amin'ilay tombon-kase ilay marika. Raha vao misy io marika io eo amin'ny fitombo-kaseny, dia fantatry ny olona fa izay voasoratra ao anati'ilay taratasy dia avy amin'ny mpanjaka ary tsy maintsy hankatoavina. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 3:10.
Tamin'ny fanomezana ny peratra tombo-kase an'i Mordekay, ny mpanjaka dia manome fahefana an'i Mordekay hanoratra taratasy manan-danja izay hoankatoavin'ny vahoaka.
Izany dia manondro ireo zavatra izay an'i Hamana sy izay nomen'ny mpanjaka an'i Estera.
"nitalao"
Ny hoe "manafoana" dia fomba fiteny izay midika fanajanona zavatra iray. DH: "hanajanona ny teti-dratsin'i Hamana ilay Agagita" na "mba hisoroana ireo zava-dratsy izay efa nomanin'i Hamana ilay Agagita tsy hitranga"
Hadikao toy ny nataonao tao amin'ny 3:1 izany.
"ny tetika izay noforoniny" na "ny tetika izay noforon'i Hamana"
Nataony izany mba ampisehoana fa faly aminy izy. Jereo ny fomba nandikanao ilay fehezanteny mitovy ao amin'ny 5:1
" raha inona no angatahiko amin'ny mpanjaka"
Ny fahazoana sitraka" dia fomba fiteny izay midika fa nekena amin'ny zavatra iray na koa hoe nahafaly azy izy. Ny "teo imasonao" dia sarinteny izay midika hoe nandinika. DH: "raha nandinika ahy ianao ka nanaiky ahy" na "raha faly tamiko ianao"
Ny hoe "eo anatrehan'ny mpanjaka" eto dia sarinteny maneho ny fandinihany. DH: "raha marina eo anatrehan'ny mpanjaka ny zavatra angatahako".
Ny "eo imasonao" eto dia sarinteny maneho ny fandinihany. DH: "ary raha mandinika ahy ianao ary mahafaly anao aho" na "raha faly amiko ianao"
"nanjanona amin'ny fomba ofisialy"
Hadikao toy ny nataonao tao amin'ny 1:1.
Nametraka ireo fanontanianaireo i Estera mba ampisehoana fa halahelo be izy raha ho ringana ireo vahoaka. DH: "Tsy ho zakako ny hahita ny loza hilatsaka eo amin'ireo Jiosy. Tsy ho tantiko ny hahita ireo havako ho vonoina."
Io dia maneho ny zavatra rehetra izay ananan'i Hamana. DH: "izay rehetra an'i Hamana" na "ny fananan'i Hamana rehetra"
Hadikao toy ny nataonao tao amin'ny 6:4
Ny fanoratana zavatra iray amin'ny anaran'ny mpanjaka dia midika fa nosoratana teo ambany fahefany izany, na nosoratana ho solontenany izany.
DH: "Fa tsy misy afaka manafoana ... ny peratra"
Ny fampahafantarana eo anelanelan'ny teny hoe "didy" sy "foanana" dia milaza ny antony tsy ahafahan'ny mpanjaka manafoana ny didin'i Hamana. Afaka atao mazava ihany koa izany amin'ny fampiasana ny teny "satria". DH: "Fa tsy afaka ny hanafoana ny didy izay efa voasoratra aho satria nosoratana tamin'ny anaran'ny mpanjaka ary nisy tombokasen'ny mpanjaka izany"
Ny fanoratana zavatra iray amin'ny anaran'ny mpanjaka dia midika fa nosoratana teo ambany fahefany izany, na nosoratana ho solontenany izany.
"nampanantsona"
andro fahatelon' ny volana -"Sivàna" no anaran'ny volana fahatelo ao amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahatelo amby roapolo dia manakaiky ny antenatenan'ny volana Jiona amin'ny tetiandro tandrefana.
Hadikao toy ny nataonao tao amin'ny 1:1 izany.
"Nosoratana tamin'ny tenin'izy ireo". Maneran-tany dia misy fomba fanoratana maro samihafa.
DH: "Nanoratra didy izy ireo"
Ny fanoratana zavatra iray amin'ny anaran'ny mpanjaka dia midika fa nosoratana teo ambany fahefany izany, na nosoratana ho solontenany izany.
Hadikao toy ny nataonao tao amin'ny 8:1
"Olona mpitondra hafatra"
Ny tranon-tsoavalin'ny mpanjaka dia fitoeran'ny soavaly lahy tsara indrindra an'ny mpanjaka. Ireo soavaly izay nampiasaina amin'ny asa amam-drarahin'ny mpanjaka ny zanany. DH: "ny zanakin'ny soavaly tsara an'ny mpanjaka"
"alalana"
Hadikao toy ny nataonao tao amin'ny 3:12
Ny hoe mamaly faty dia fomba fiteny izay midika fa handratra olona izay nandratra anao. DH: "hiverina hiady amin'ny fahavalon'izy ireo"
Ny hoe "tsy misy hatak'andro" dia fomba fiteny midika hoe tsy niandry izy ireo. FH: "Nandeha avy hatrany izy ireo"
Io dia tanàna izay nisy ny lapan'ny mpanjaka. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Ny "tanàna" eto dia maneho ireo olona miaina ao anatin'izany. DH: "Ny olona tao amin'ny tanànan'i Sosana dia nihiaka sy nifaly"
Ny teny hoe "nifaly" dia milaza ny fomba nihikian'izy ireo. DH: "nihikam-pifaliana"
Ireo mety ho heviny 1) ny fananana hazavana dia sarinteny hilazana ny hafaliana. DH: "faly sy ravo" na 2) ny fananana hazavana dia sarinteny hilazana fahombiazana sy fahatoniana. DH: "nahatsiaro fitoniana sy ravoravo"
Ireo mety ho heviny 1) nanome voninahitra ireo Jiosy ireo olona hafa. DH: "ary nanome voninahitra azy ireo ireo olona hafa" Na 2) Nahatsiaro tena ho manam-boninahitra ireo Jiosy. DH: "ary nahatsiaro-tena ho manam-boninahitra ireo Jiosy"
DH: "na hatraiza na haraiza nitondran'ireo lehilahin'ny mpanjaka ny didiny" na taiza na taiza namakiana ny didin'ny mpanjaka"
Hadikao toy ny tao amin'ny 1:1.
"Fankalazana"
Ny filatsahan'ny tahotra eo amin'ny olona dia midika ho lasa matahotra mafy izy. DH: "Lasa natahotra mafy an'ireo Jiosy izy ireo"
1 Ary tamin'ny faha-roa ambin'ny folon'ny volana, izay volan'i Adara, tamin'ny andro faha-telo ambin'ny folo, rehefa mby hanatanteraka ny làlana sy didin'ny mpanjaka, tamin'ny andro izay nanantenain'ireo fahavalon'ny Jiosy hahazoany fahefana amin'izy ireo, dia nitsimbadika izany. Ny Jiosy no nanam-pahefana tamin'ireo izay nankahala azy ireo. 2 Dia niangona tao an-tanànany ireo Jiosy nanerana ireo faritany rehetran'i Ahasoerosy mpanjaka, mba hamely ireo izay nikasa hampidi-doza azy ireo. Koa tsy nisy afaka nijoro hanohitra azy ireo, satria efa nilatsaka tamin'ireo vahoaka rehetra ny tahotra azy ireo. 3 Ireo mpanapaka ny faritany rehetra, ireo governoram-paritany, ireo governora, ary ireo mpanao raharahan'ny mpanjaka, dia nanampy ny Jiosy satria efa nilatsaka teo amin'izy ireo ny tahotra an'i Mordekay. 4 Fa lehibe i Mordekay tao an-tranon'ny mpanjaka, ary niely nanerana ny faritany rehetra ny lazany, fa efa tonga lehibe ilay lehilahy Mordekay. 5 Dia namely ireo fahavalony tamin'ny sabatra ny Jiosy, namono sy nandringana azy ireo, ary nanao arak'izay sitrak'izy ireo tamin'ireo izay nankahala azy. 6 Nahafaty sy naharingana olona dimanjato izy ireo tao amin'ny fiarovana mafin'i Sosana. 7 Novonoin'izy ireo i Parsandata, Dalfona, Aspata, 8 Porata, Adalia, 9 Parmasta, Arisay, Ariday, Vaizata 10 ary ireo zanaka lahy folon'i Hamana zanak'i Hamedota, ilay fahavalon'ny Jiosy. Nefa tsy nandroba fananana izy ireo. 11 Androtr'izay ihany dia notaterina tany amin'ny mpanjaka, ny isan'ireo izay maty tany amin'ny fiarovana mafin'i Sosana. 12 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Estera mpanjaka vavy hoe: "Nahafaty olona dimanjato tao amin'ny fiarovana mafin'i Sosana ny Jiosy, anisan'izany ireo zanaka lahin'i Hamana folo. Dia inona izany no nataon'izy ireo tamin'ireo faritanin'ny mpanjaka sisa? Koa ankehitriny inona no ilainao? Homena anao izany. Inona no fangatahanao? Homena anao izany." 13 Dia hoy Estera hoe: "Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny Jiosy izay any Sosana hahazo alalana hanatanteraka ity didy androany ity koa rahampitso, ary aoka ireo fatin'ny zanak'i Hamana folo lahy hahantona amin'ny hazo fanantonana." 14 Dia nandidy mba hanatanterahana izany ny mpanjaka. Ny didy dia nivoaka avy tao Sosana, ary nahanton'izy ireo ny zanak'i Hamana folo lahy. 15 Dia nivondrona ireo Jiosy rehetra tao Sosana tamin'ny andro faha-efatra ambin'ny folon'ny volan'i Adara, ka nahafaty olona telonjato fanampiny tao Sosana, nefa tsy nandroba fananana. 16 Ireo Jiosy sisa izay tany amin'ireo faritanin'ny mpanjaka kosa dia niaraka mba hiaro ny ain'izy ireo, ka afaka tamin'ireo fahavalony izy ireo ary nahafaty dimy arivo sy fito alina tamin'ireo izay nankahala azy. Nefa tsy mba nikasi-tanana ny harenan'ireo izay novonoiny kosa izy ireo. 17 Tamin'ny fahatelo ambin'ny folon'ny volana Adara no nitrangan'izany. Tamin'ny andro fahaefatra ambin'ny folo kosa dia nitsahatra izy ireo ka nanao izany ho andro fanasana sy firavoravoana. 18 Nefa ireo Jiosy izay tany Sosana niara-niangona tamin'ny andro faha telo ambin'ny folo sy ny faha-efatra ambin'ny folo. Tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo kosa dia nitsahatra izy ireo ka nataony andro fanasana sy firavoravoana izany. 19 Izany no mahatonga ireo Jiosy ao amin'ireo zana-bohitra, izay nanorina ny tranon'izy ireo tany ambanivohitra, mitandrina ny andro faha-efatra ambin'ny folon'ny volana Adara ho andro firavoravoana sy fanasana, ary andro izay hifanoloran'izy ireo fanomezana ara-tsakafo. 20 Dia noraketin'i Mordekay an-tsoratra izany rehetra izany ka nandefa taratasy ho an'ny Jiosy rehetra izay tany amin'ny faritany rehetran'i Ahasoerosy mpanjaka izy, na lavitra na akaiky, 21 handidiana azy ireo hitandrina ny andro fahaefatra ambin'ny folo sy faha dimy ambin'ny folon'ny volana Adara isan-taona. 22 Ireo no andro nafahan'ny Jiosy tamin'ireo fahavalony, sy volana izay nivadian'ny alahelon'izy ireo ho fifaliana, ary fisaonana ho andro firavoravoana. Nataon'izy ireo andro fanasana sy firavoravoana izany, ary fifanomezana ara-tsakafo, sy fanomezana ho an'ny mahantra. 23 Dia notohizan'ny Jiosy ny fankalazana izay efa natombok'izy ireo, anaovana arak'izay nosoratan'i Mordekay. 24 Tamin'izany fotoana izany i Hamana zanaka lahin'i Hamedoda ilay Agagita, ilay fahavalon'ny Jiosy rehetra, dia nanao teti-dratsy hanohitra ny Jiosy mba handringana azy ireo, dia nanipy ny pora izy (na hoe, nanao filokana izy), mba handravana sy handringanana azy ireo. 25 Saingy rehefa tonga teo anatrehan'ny mpanjaka ny toe-draharaha, dia namoaka didy an-taratasy izy fa ny teti-dratsy izay novolavolain'i Hamana hanoherana ny Jiosy dia tokony hatsingerina ho eo an-dohany, ary tokony hahantona amin'ny hazo izy mbamin'ireo zanany lahy. 26 Koa nantsoin'izy ireo hoe Porima ireo andro ireo, avy amin'ny anarana hoe Pora. Noho izay rehetra voasoratra tanatin'izany taratasy izany, sy izay rehetra hitan'izy ireo ary izay nanjo azy ireo, 27 dia neken'ny Jiosy ny fomba amam-panao vaovao iray sy andraikitra. Izany fomba izany dia ho azy ireo, ho an'ireo taranany, sy izay rehetra miaraka amin'izy ireo. Izany dia mba hankalazan'izy ireo izany andro roa izany isan-taona. Hankalaza izany amin'ny fomba manokana amin'ny fotoana mitovy isan-taona izy ireo. 28 Ireo andro ireo dia ho hankalazaina sy ho tandremana isaky ny taranaka mifandimby, isam-pianakaviana, isam-paritra, ary isan-tanàna. Ireo Jiosy ireo sy ny taranany dia tsy hitsahatra ny hitandrina am-pahatokiana ireo andron'ny Porima ireo, mba tsy hanadinoin'izy ireo izany mihitsy. 29 Estera mpanjaka vavy zanaka vavin'i Abihaila sy i Mordekay ilay Jiosy dia nanoratra tamim-pahefana feno ka nanamafy ity taratasy faharoa momban'i Porima ity. 30 Taratasy no nalefa tamin'ny Jiosy rehetra tany amin'ireo faritanin'ny fanjakan'i Ahasoerosy 127, nirariana fandriam-pahalemana sy fahamarinana ireo Jiosy. 31 Ireo taratasy ireo dia nanamafy ireo andron'i Porima amin'ireo fotoana izay nanendrena izany, arak'izay nandidian'i Mordekay ilay Jiosy sy i Estera mpanjaka vavy an'ireo Jiosy. Dia neken'ireo Jiosy ho an'ny tenany izany adidy izany sy ho an'ireo taranak'izy ireo, tahak'izay efa naneken'izy ireo ny fotoanan'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana koa. 32 Nanamafy ireo fitsipika momban'i Porima ireo ny didin'i Estera, ary voasoratra tao anatin'ny boky izany.
Hadikao toy ny nataonao tao amin'ny 3:12 izany.
DH: "raha hanatanteraka didy aman-dalànan'ny mpanjaka iny ny vahoaka"
Ny hoe "manatanteraka" dia fomba fitenyhilazana fanaovana zavatra iray izay nandidiana na efa nomanina. DH: "raha andeha hankatoa ny didy aman-dalànan'ny mpanjaka iny ireo vahoaka"
Ny fahazoana fahefana fahefana eo amin'ny vahoaka dia fomba fiteny hilazana fandresena azy ary ireo". DH: "handresy ireo Jiosy"
"nivadika ny toe-draharaha". Ny fivadihan'ny toe-draharaha dia sarinteny izay midika fa mifanohitra amin'izay nantenaina hitranga no niseho. DH: "ny nifanohitra no nitranga"
Hadikao toy ny tao amin'ny 1:1 izany.
Ny mamely dia sarinteny hilazana hoe miady. DH: "mba hiady amin'ireo"
Ny hoe mampidi-doza olona dia fomba fiteny izay midika hoe miteraka loza hiseho eo amin'izy ireo. Amin'io tranga io dia midika ho famotehana azy ireo. DH: "izay miezaka ny hamotika azy ireo"
Ny fijoroana hanohitra olona dia midika hoe hanohitra ny fanafihan'izy ireo. DH: "Tsy nisy iray natohitra ny fanafihan'ireo Jiosy" na "Tsy nisy iray naharesy ireo Jiosy"
Ny filatsahan'ny tahotra amin'ny olona dia midika hoe natahotra mafy. DH: "lasa natahotra mafy an'ireo Jiosy ny vahoaka rehetra"
"governora avy any amin'ny faritany"
Ny filatsahan'ny tahotra amin'ny olona dia midika hoe natahotra mafy. DH: "lasa natahotra an'i Mordekay izy ireo"
"tena nanan-danja tao amin'ny lapan'ny mpanjaka"
Ny hoe niely nanerana ireo toerana ny lazany dia manondro ireo olona isak'ireo toerana nahafantatra ny habeany. DH: "nahafantatra momben'ny habeany ny olona manerana ny farintany"
Hadikao toy ny nataonao tao amin'ny 1:1 izany anaran-tanàna izany.
"tanàna voaaro"
"olona 500"
"10 lahy"
Hadikao toy ny nataonao tao amin'ny 3:1 izany anaran-dehilahy izany.
Hadikao toy ny nataonao tao amin'ny 3:1 izany anaran-dehilahy izany.
Io fehezanteny io dia mitantara antsika momban'i Hamana.
"500 olona"
"zanaka lahy 10"
Nametraka io fanontaniana io ilay mpanjaka mba ampisehoana fa mino izy fa namono olona maro tany amin'ireo faritany hafa ihany koa ireo Jiosy. DH: "Mety efa namono mihoatra lavitra izy ireo tany amin'ireo faritanin'ny mpanjaka ambony".
Ny teny hoe "ilaina" dia azo hadika amin'ny teny hafa hoe "angatahinao";. DH: "inona no angatahinao?
DH: "Homeko anao izay angatahinao" na "ho ataoko izay angatahinao"
Izany dia azo hadika koa hoe "ilaina" DH: "Inona no ilainao?"
Ny hoe "manatanteraka" dia fomba fiteny izay midika hoa hanao zavatra izay efa nandidiana na efa nomanina ho atao. DH: "hanao rahampitso izay nodidiana anio"
"10 lahy"
Hadikao toy ny nataonao tao amin'ny 5:14 izany.
"Adara" no anaran'ny volana fararoa ambin'ny folo ny volana amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahaefatra ambin'ny folo dia manakaiky ny fiandohan'ny volana Martsa.
Ny fandrobana zavatra dia midika hoe maka na mangalatra. DH: "tsy naka na inona na inona tamin'ilay fandrobana"
"300"
"75.000"
Ny fikasihan-tanana eto dia midika hoe maka na mandray. DH: "tsy naka na inona na inona tamin'ireo harenan'ireo olona novonoiny izy ireo"
"zavatra izay manan-danja" na "fananana"
Hadikao mitovy amin'izay nanaovanao azy tao amin'ny 3:12 izany.
"Tamin'ny andro fahaefatra ambin'ny folo no nitsahatra ireo Jiosy tao amin'ny faritany"
Ny antony niangonanan'izy ireo dia azo hazavaina. DH: "ireo Jiosy izay tao Sosana dia nivondrona mba hiady amin'ireo fahavalon'izy ireo"
Ny hoe mitandrina ny andro dia fomba fiteny izay midika ho fankalazana. DH: "mba hankalaza ny ny andro fahaefatra ambin'ny folo sy fahadimy ambin'ny folon'ny volana Adara isan-taona
Ny hoe nivadika eto dia midika ho fiovana. DH: "lasa ravoravo izy ireo fa tsy nalahelo"
Ity andalana ity dia mamintina kokoa ny tantaran'i Estera mba hanazavana ny antony hanakalazana ny Porima.
Hadikao toy ny tao amin'ny 3:1 ireo anarana ireo.
Ny hoe "Pora" dia teny Persana midika hoe "filokana". Ny fehezanteny hoe "nitoraka pora" dia midika hoe "nanozona izy"
Ny antony nanipazany loka dia azo atao mazava. DH: "Nanipy ny filokana izy mba ahafantarany hoe inona ny andro tsara hanafiana ireo Jiosy"
Ilay lahatsoratra Hebreo koa dia azo hadika hoe ny heviny: "Saingy tonga teo anatrehan'ny mpanjaka i Estera". Ireo andiany vaovao dia nisafidy io fandikana io.
Ny hoe "hatsingerina ho eo an-dohany" dia midika fa izany no tokony ho atao tamin'i Hamana. DH"Tokony ho atao tamin'i Hamana ilay teti-dratsin' nokasainy atao tamin'ireo Jiosy"
Ny fiantsoana zavatra iray amin'ny zavatra hafa dia midika ho fanomezana anarana mitovy. DH: "nantsoin'izy ireo hoe Porima ireo andro ireo, avy amin'ny teny hoe Pora"
Izany dia firavoravoana ho fahatsiarovana ny famonjena ireo vahoaka Jiosy tamin'ny teti-dratsin'i Hamana hamotika sy hamono ny Jiosy rehetra tao anatin'ny iray andro tao amin'ny Persa fahiny.
Izany dia azo hadika mazava koa ny dikany. DH: "ny teny hoe Pora, izay midika hoe 'ozona'"
DH: "Ireo Jiosy dia hankalaza sy hitandrina ireo andro ireo"
DH: "hitandrina am-pahatokiana"
Estera dia zanaka vavin'i Abihaila. Estera sy i Mordekay no nanoratra ilay taratasy.
Hadikao toy ny tao amin'ny 2:15 izany anaran-dehilahy izany.
"Taratasy fanampiny"
DH: "Nandefa taratasy tany amin'ny Jiosy rehetra izy ireo"
DH: "Maniry an'ireo Jiosy mba handry fahalemana ary hatoky ireo Jiosy ny vahoaka"
DH: "Nanaiky ireo Jiosy ary nilaza fa izy ireo sy ny taranak'izy ireo dia voatery hanakalaza ny andron'i Porima"
Ny fanekena ny fotoanan'ny fifadian-kanina sy fitomaniana dia sarinteny mba hilazana fa manaiky hifady hanina sy hitomany amin'ny fotoana voafaritra. DH: "Nanaiky hifady hanina sy hitomany amin'ny fotoana voafaritra"
1 Avy eo Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra tamin'ny tany sy tamin'ny moron-tsiraky ny ranomasina. 2 Ny zava-bitany rehetra nohon'ny heriny sy ny fahefany, niaraka tamin'ny fitantarana ny fahalehibiazan'i Mordekay izay nanandratan'ny mpanjaka azy, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Media sy Persia izany. 3 Mordekay ilay Jiosy no mpanjaka laharana faharoa taorian'i Ahasoerosy mpanjaka. Lehibe teo amin'ireo Jiosy izy ary nalaza teo amin'ireo rahalahin'ny jiosy maro, satria nitady ny hanampiana ny vahoakany izy ary nanonona fiadanana tamin'ny vahoakany rehetra.
DH: "Ny zava-bitany rehetra" na "ny zava-dehibe rehetra efa vitany"
Ny fanandratana olona iray dia midika ho fampiakarana azy amin'ny toerana avo. DH: "ny fitantarana feno ny fomba nanaovan'ny mpanjaka an'i Mordekay ho lasa lehibe" na "ny fitantarana feno ny haben'i Mordekay nohon'ny nanaovan'ny mpanjaka azy"
"ny olona tena manan-danja taorian'i Ahasoerosy mpanjaka"
Ny teny hoe rahalahy dia manambara ireo olona mitovy aminy. DH: "ireo namana Jiosy"
DH: "Niasa mafy ho an'ny vahoaka izy mba ahombizany" na "niasa mafy izy mba hilamina ny vahoakany"
Izy dia nisolo tena ireo vahoaka mba ahafahan'izy ireo manana fiadanana"
1 Nisy lehilahy iray tao amin'ny tanin'i Oza izay Joba no anarany; ary i Joba dia tsy misy tsiny sady mahitsy, izay natahotra an'Andriamanitra ary nifady ny ratsy. 2 Izy dia nanan-janaka lahy fito sy vavy telo. 3 Izy dia nanana ondry fito arivo, rameva telo arivo, omby lahy sy vavy dimanjato, sy boriky dimanjato ary mpanompo maro be. Izy no lehilahy lehibe indrindra tamin'ireo olona Tatsinana rehetra. 4 Isaky ny andro voatendry ho an'ny zanany lahy, dia nanao firavoravoana tao an-tranony izy. Izy ireo dia naniraka ka niantso ireo anabaviny telo mba hiaraka hihinana sy hisotro amin'izy ireo. 5 Rehefa nifarana ny firavoravoana, dia nampiantso ary nanamasina azy ireo i Joba. Nifoha maraina be izy ary nanao fanatitra dorana ho an'ireo zanany tsirairay avy, fa hoy izy hoe: "Mety efa nanota na nanozona an'Andriamanitra tany am-pony ireo zanako." Nanao izany foana i Joba. 6 Ary tamin'izany andro izany dia tonga niseho teo anatrehan'i Yaveh ireo zanak'Andriamanitra. Dia tonga niaraka tamin'izy ireo koa i Satana. 7 Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Avy aiza no niavinao?" Ary Satana namaly an'i Yaveh ka nanao hoe: "Avy nirenireny teto an-tany, nivezivezy teo aminy." 8 Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Efa nandinika an'i Joba mpanompoko ve ianao? Satria tsy misy toa azy eto ambonin'ny tany, lehilahy tsy misy tsiny sady mahitsy, izay matahotra an'Andriamanitra ary mifady ny ratsy." 9 Avy eo Satana namaly an'i Yaveh ka niteny hoe: "Matahotra an'Andriamanitra amin'ny tsy misy antony ve i Joba? 10 Tsy nasianao fefy ve manodidina azy, manodidina ny tranony, ary manodidina izay azy rehetra? Efa notahianao ireo asan'ny tanany, ary nitombo ireo biby fiompiny eto amin'ny tany. 11 Fa ankehitriny ahinjiro ny tananao ary kasiho izay rehetra hananany, ary jereo raha tsy manozona Anao eo amin'ny tavanao izy. 12 Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Indro, eo am-pelatananao izay rehetra hananany. Fa izy tenany ihany no aza haninjiranao ny tananao." Dia niala teo anatrehan'i Yaveh i Satana. 13 Ary indray andro, nihinana sy nisotro divay tany an-tranon'ny lahimatoany ireo zanany lahy sy vavy. 14 Nisy mpitondra hafatra iray nanatona an'i Joba ary niteny hoe: "Niasa tany ireo omby ary ireo boriky dia nihinana teo anilan'ireo. 15 Nanafika azy ireo ireo Sabeana ary nisambotra azy ireo. Raha ny amin'ireo mpanompo, dia novelesin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra. Izaho irery no tafatsoaka mba hampandre anao." 16 Raha mbola niteny iny izy, dia nisy iray hafa koa tonga ary niteny hoe: "Nilatsaka avy tany an-danitra ny afon'Andriamanitra ary nandoro ireo ondry sy ireo mpanompo. Izaho irery no tafatsoaka mba hampandre anao." 17 Raha mbola niteny iny izy, dia nisy iray hafa koa tonga ary niteny hoe: "Nizara vondrona telo ireo Kaldeana ka nanafika ireo rameva, ary nisambotra ireo. Raha ny amin'ireo mpanompo, dia novelesin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra. Izaho irery no tafatsoaka mba ampandre anao." 18 Raha mbola niteny iny izy, dia nisy iray hafa koa tonga ary niteny hoe: "Ireo zanakao lahy sy vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny lahimatoan'izy ireo. 19 Nisy rivotra mahery tonga avy tany an'efitra nikapoka ny zorony efatr'ilay trano. Nilatsaka tamin'ireo zatovo izany, ary dia maty izy ireo. Izaho irery no tafatsoaka mba hampandre anao." 20 Dia nitsangana i Joba, nandrovitra ny akanjony, nanaratra ny lohany, niankohoka teo amin'ny tany, ary nidera an'Andriamanitra. 21 Hoy izy hoe: "Nitanjaka aho raha nivoaka tao an-kibon'ny reniko, ary hitanjaka aho rehefa hiverina ao. Yaveh no nanome, ary Yaveh no naka. Isaorana anie ny anaran'i Yaveh." 22 Tamin'ireo zava-nitranga rehetra ireo, dia tsy nanota i Joba, na koa niampanga an'Andriamanitra ho nanao ny tsy mety.
Ny toerana mety hitombina dia 1) toerana iray any Edoma atsinana any amoron'ny ony Jordana any ho any amin'ny Jordana tandrefana ankehitriny na 2) toerana iray atsinanan'ny ony Eofrata any Iran ankehitriny.
Ny teny hoe "tsy manan-tsiny" sy "mahitsy" dia manome dika mitovy sy fanamafisana fa i Joba dia lehilahy marina. DH : "Nanao izay marina teo anatrehan' Andriamanitra izy."
"izay nanome voninahitra an'Andriamanitra"
Ny ratsy eto dia entina hilazana toerana iray izay ialan'ny olona mba tsy handehanana, raha tokony hoe fanaovana ny ratsy. DH: "nandà ny hanao ratsy"
"zanakalahy 7 sy zanakavavy 3"
"Nanana ondry 7.OOO izy"
"rameva 3.000"
"omby mivady 500"
"ny manan-karena indrindra"
Fanondroana ireo toerana izay any atsinanan'i Kanana. DH: "ny olona rehetra izay monina any amin'ny tany izay any andrefan'ny Kanana"
Ny teny hoe "andro" dia mety manondro ny andro fankalazan'izy ireo ny fahaterahan'ny zazalahy. Fa izany farafaharatsiny dia manondro ny hevitra izay handraisan'ny zanaka lahy anjara amin'ny fiandrasana ny firavoravoana. DH: "Isaky ny tsingerin-taona nahaterahan'ny zanaka lahy, ny zanaka lahy dia nanao" na "Samy manolotra isaky ny anjarany ny zanaka lahy"
"nanao araka ny mahazatra... naniraka araka ny mahazatra... naniraka araka ny mahazatra i Joba... nanamasina araka ny mahazatra izy... nifoha maraina araka ny mahazatra... niteny araka ny mahazatra izy"
Eto, ny "manamasina" dia midika fangatahana amin'Andriamanitra ny mba hanesorana ireo fombafomba maloto izay mety azon'ny ireo zanak'i Joba raha niara-niravoravo tamin-kafaliana izy ireo. Nataon'i Joba tamin'ny fanamasinana azy ireo tamin'Andriamanitra izany.
Ny teny hoe "azy ireo" dia manondro ireo zanaka lahy fito sy ireo zanaka vavy telo fa tsy anisan' izany i Joba.
"Rehefa tapitra ny andro firavoravoana" na "Taorian'ny andro firavoravoana"
"naniraka oloona araka ny mahazatra i Joba mba hiantso azy ireo ho any aminy"
Matetika dia misy eritreritra tonga tsy nahy, tsy sitrapon'ny olona ny eritreritra azy. DH: "nanozona an'Andriamanitra tao an'tsainy"
Io dia andro tsy voafaritra. Matetika isehoan'ny fiangonana. DH: "tamin'ny fotoana izay" na "ilay andro izay"
Io dia manondro ireo anjely, any an-danitra.
"miara-mijoro eo anatrehan'Yaveh araka izay nandidiany azy ireo hatao"
Ny andian-teny hoe "mirenireny" sy "nivezivezy" dia manondro ireo fihetsika mitovy mba hanamafisana ny fahafenoany. DH: "Avy taiza sy taiza teto an-tany."
Io dia anarana izay nasehony ny vahoakany tao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejy fandikan-teny mahakasika an'i Yaveh momba ny handikana azy.
"mivezivezy" dia manondro fitsangatsanganana manerana ny tany.
"Efa nihevitra ny amin'i Joba mpanompoko ve ianao?" Eto Andriamanitra dia manomboka miresaka mahakasika an'i Joba amin'ni Satana. "Hevero i Joba mpanompoko;"
Adikao tahaka ny tao amin'ny 1:1
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:1
"Mankato an'Andriamnitra amin'ny tsy misy antony ve i Joba?" Mamaly an'Andriamanitra amin'ny fanehoana sy famaliana ny fanontanian'ny tenany. Milaz izy fa Andriamanitra ihany no ankatoavin'i Joba satria Andriamanitra no nitahy azy. DH: "Manana ny antony ankatoavany an'Andriamanitra i Joba
Mitanisa ireo zava-misy mba hanohanany ny heviny i Satana. DH: "Efa niaro azy, ny ankohonany, ary izay rehtra hananany Ianao."
Sakana tahaka ny rindrina na fefy manodidina mba hiarovana ny tanin'ny tena, nodidinin'Andriamanitra tamin'ny fiarovany i Joba. DH: "niaro azy sy ny tranony"
"ireo zavatra rehetra izay namboariny"
"mihamaro dia mihamaro ny biby fiompiny eto amin'ny tany"
Ny tian'i Satana holazaina dia raha mamely an'i Joba Andriamanitra, dia ho hitany izay havalin'i joba. DH: "Fa ankehitriny, raha maninjitra ny tananao ianao ary mikasika izay rehetra azy, dia ho hitanao fa hanozona anao eo amin'ny tavanao izy"
Ny "tanana" eto dia manondro ny herin'ny asan'Andriamanitra. "Fa ankehitriny ampiasao ny herinao"
Ny "kasiho" eto dia mampiseho ny asan'ny faharatsiana na fahapotehana. DH: "ravao izay rehetra hananany" na "poteho izay rehetra hananany"
io dia manondro ny fotoana izay hiainoan'Andriamanitra. DH: "eo am-pandrenesanao"
"Mijereva" na "Mihainoa izay rehetra holazaiko anao"
Ny "tanana" eto dia mampiseho ny herin'ny olona iray amin'ny fifehezany zavatra. DH: "mana-kery amin'izay rehetra hananany ianao."
"mamely ny vatana" DH: "fa aza manisy ratsy ny tenany" na "aza manisy ratsy ny vatany"
"niainga niala avy eo amin'Yaveh" na "nandao an'Yaveh"
Io dia faritra hita any Yemena ankehitriny. Mampiseho andiana mpanafika na jiolahy avy any Sabeana izy eto.
Eto "nanafika" dia mampiseho ny hevitry ny famelezana. DH: "namely azy ireo"
Ny mamely eto dia mampiseho famonoana.
ny "lela" eto dia mampiseho ilay faritra izay mamono olona amin'ny sabatra, izay na ilay tendrony na ilay sisiny maranitra. Na ihany koa ireo sabatr'ireo lehilahy Sabeana no nolazaina raha toa ka sabatra iray ihany no teo.
"izy" eto dia manondro ilay mpitondra hafatra voalohany
"nisy mpitondra hafatra iray hafa koa tonga"
Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:13
Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:13
Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:13
"rambon-danitra" na "tafio-drivotra"
"tohana ara-drafitr'ilay trano"
"Nirodana tamin'ireo zanakao lahy sy vavy ilay trano"
Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:13
Ireo dia fombafomba fitomaniana, manamarika alahelo mafy.
"Tamin'ny fahaterahako, tsy nitondra na inona na inona ho amin'ny tany aho, ary amin'ny fahafatesako dia hiverina amin-tanam-polo amin'ny tany aho."
"Teo aza ireo zava-nitranga rehetra"
"milaza fa nanao ny tsy mety Andriamanitra"
1 Ary tamin'izany andro izany, tonga niseho teo anatrehan'i Yaveh ireo zanak'Andriamanitra. Tonga niaraka tamin'izy ireo hiseho teo anatrehan'i Yaveh ihany koa i Satana. 2 Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Tonga avy aiza ianao?" Dia namaly an'i Yaveh i Satana ka nanao hoe: "Avy nirenireny teny an-tany, nivezivezy teny." 3 Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Moa ve efa nandinika an'i Joba mpanompoko Ianao? Satria tsy misy na iray aza eto an-tany ka mitovy aminy, lehilahy tsy misy tsiny sady marina, matahotra an'Andriamanitra ary mifady ny ratsy. Mbola mihazona ny fahitsiany hatrany izy, na dia efa namily lalana Ahy hanohitra azy aza ianao, mba hamotika azy tsy amin'ny antony." 4 Satana namaly an'i Yaveh ka nanao hoe: "Hoditra takalon'ny hoditra; eny tokoa; ny olona dia hanome izay rehetra hananany ho takalon'ny ainy. 5 Fa ahinjiro ny tananao izao ary kasiho ny taolany sy ny nofony, dia jereo raha tsy hanozona anao eo amin'ny tavanao izy." 6 Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Indro, eo am-pelatananao izy; ny ainy ihany no aoka harovanao." 7 Dia lasa Satana niala teo amin'ny fanatrehan'i Yaveh. Namely vay ratsy an'i Joba hatreny am-paladia ka hatreny an-tampon-doha izy. 8 Naka vakim-bilany vita tamin'ny tanimanga i Joba hihaokaorany ny vatany, ary nipetraka teo afovoan'ny lavenona izy. 9 Dia hoy ny vadiny taminy hoe: "Mbola mihazona ny fahitsinao ihany ve ianao? Ozony Andriamanitra ary matesa." 10 Fa hoy izy taminy hoe: "Miresaka toy ny firesaky ny vehivavy adala ianao. Ny tsara ihany ve no tokony ho raisintsika avy amin'Andriamanitra ka tsy ho raisina ny ratsy?" Noho izany rehetra izany, dia tsy nanota tamin'ny molony i Joba. 11 Ary rehefa nandre ny ratsy rehetra nanjo azy ireo naman'i Joba telo, dia samy tonga avy any amin'ny toerany avy izy ireo: Elifaza ilay Temanita, Bildada ilay Sohita, ary Zofara ilay Namatita. Nanokana fotoana izy ireo mba hiarahana ory aminy sy hampaherezana azy. 12 Rehefa nitazana avy eny lavitra izy ireo, dia tsy nahafantatra azy. Nanandratra ny feony izy ireo ary nitomany; samy nandrovitra ny akanjony ary namafy vovoka teny amin'ny rivotra sy teo amin'ny lohany ihany ny tsirairay. 13 Avy eo dia nipetraka tamin'ny tany niaraka taminy izy ireo nandritry ny fito andro sy fito alina. Tsy nisy niresaka taminy izy ireo, satria hitan'izy ireo fa tena lehibe tokoa ny alahelony.
Ireto andininy ireto dia mitovy tanteraka amin'ny 1:6 ary azo adika tanteraka amin'ny fomba mitovy.
Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:6
Io dia andro tsy voafaritra. Matetika isehoan'ny fiangonana. DH: "tamin'ny fotoana izay" na "ilay andro izay"
Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:6
Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:6
Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:6
Ity andininy ity dia mitovy amin'ny 1:6, afa-tsy ny fanampiny hoe "Mbola mihazona ny fahitsiany hatrany izy, na dia efa namily lalana Ahy hanohitra azy aza ianao, mba hamotika azy tsy amin'ny antony."
Ity fanontaniana fampisainana ity dia manao fanambarana raha ny marina. Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:6. DH: "Hevero i Joba mpanompoko."
Adikao tahaka ny nataonao tamin'ny andian-teny mitovy ao amin'ny 1:1.
Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:1.
"mifikitra tanteraka amin'ny fanaovana ny tsara sy ny marina"
"nandresy lahatra Ahy hamely azy tsy amin'antony"
Ny "mamotika" eto dia maneho "fampahantrana." DH: "mampahantra azy"
"Hoditra" dia fanoharana ny fiainan'i Joba. DH: "Hanao izay zavatra rehetra ny olona iray mba hamonjeny ny ainy, eny fa na dia hamoizany ny fananany sy ilay tiany aza."
Mihevitra i Satana fa raha mamely an'i joba Yaveh, dia ho hitany izay havalin'i Joba. DH: "Fa ankehitriny, raha maninjitra ny tananao ianao ka mikasika ny taolany sy ny nofony, dia ho hitanao fa hanozona anao amin'ny tavanao izy"
Ny "tanana" eto dia manondro ny herin'ny asan'Andriamanitra. "Fa ankehitriny ampiasao ny herinao ." Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:9.
Ny "kasiho" eto dia mampiseho ny fampijaliana. DH: "velezo"
Io fomba fiteny io dia mampiseho ny tenan'i Joba.
Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:9
Io dia manondro ny fotoana hiainoan'Andriamanitra. DH: "eo am-pandrenesanao"
Adikao tahaka ny ao amin'ny 1:9
"nanafika" na "nampahory"
be dia be, aretin-koditra mangidihidy sy manaintaina
fikaokaorana hoditra mba hanamaivana ny hidihidy.
Io dia mety manaondro toerana iray nanangonan'ny loto sy ny fako ary mety nandorana izany. Ny fipetrahana amin'ny toerana tahaka izany dia mariky ny fisaonana lalina. DH: "nipetraka teo amin'ny vangongo-pako"
Io fanontaniana fampisainana io dia maneho fanambarana. DH: "Tsy tokony hifady hanina ho an'ny fahitsinao ianao."
"Lavo Andriamanitra"
Milaza i Joba fa miresaka tahaka ny adala izy. DH: "Miresaka tahaka ny tsisy adala ianao."
Io fanontaniana fampoisainana io dia maneho fanambarana. DH: "Tokony handray ny ratsy avy amin'Andriamanitra tahaka tsara tokoa isika."
"mahazo tombony avy amin'ny zava-tsoa rehetra"
Io dia mampiseho ireo zava-tsoa rehetra izay omen'Andriamanitra antsika.
"miaina ireo zava-dratsy rehetra tsy am-kitaraina"
Io dia mampiseho ireo zava-dratsy izay nataon'Andriamanitra na navelany mba hiainantsika.
Eto ny "molotra" dia mampiseho ny fitenenenana. DH: "manota amin'ny fitenenana manohitra an'Andriamanitra"
Elifaza, Bildada, ary Zofara dia anaran-dehilahy. Temana dia tanàna any Edoma. Sohita dia ireo taranak'i Abrahama sy Ketoraha (jereo Genesisy 25:1). Nama dia tanàna any Kanana.
"nifanaraka tamina fotoana iray"
Ny teny hoe "miara-ory"sy "mampahery" eto dia mitovy. Ireo namana miezaka mampahery an'i Joba tami'ny alalan'ny fiaraha-miory aminy. DH: "malahelo miaraka amin'i Joba mba hanamaivanana ny fijaliany."
"mibanjina tsara" na " mijery tsara"
Io dia mety midika fa ireo mpamangy an'i Joba tsy nahalala azy tamin'ny voalohany, raha nahita azy avy lavitra. Hafa tokoa noho ny mahazatra ny endrik'i Joba nohon'ny alahelo sy noho'ny fanaintainana mameno ny vatany. DH: "zara raha nahafantatra azy izy ireo"
"nitomany mafy izy ireo" na "nidradradradra mafy izy ireo"
Io dia mariky ny fisaonana.
Ireo dia mariky fisaonana
1 Taorian'izany, nanokatra ny vavany i Joba ary nanozona ny andro nahaterahany. 2 Hoy izy hoe: 3 "Ho foana anie ny andro ny nahaterahako, ny alina izay nanao hoe: "Misy zazalahy vao torontoronina.' 4 Ho maizina anie izany andro izany; tsy ho tsaroan'Andriamanitra avy any ambony anie izany, na hamirapiratra amin'izany ny masoandro. 5 Ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana anie hilaza izany ho azy ireo manokana. Honina eo amin'izany anie ny rahona; ny zavatra rehetra izay mahatonga ny andro ho mainty anie hampihorohoro izany tokoa. 6 Ny amin'izany alina izany, hisambotra izany anie ny aizim-pito. Tsy hifaly eo amin'ny andron'ny taona anie izany; tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana anie izany. 7 Indro, ho momba anie izany alina izany; tsy hisy feom-pifaliana anie ho tonga ao amin'izany. 8 Hanozona izany andro izany anie izy ireo, izy ireo izay mahalala ny fomba hamohazana ny Leviatana. 9 Ho maizina anie ireo kintan'ny andro vao mangiran-dratsin'izany. Hitady fahazavana anie izany andro izany, saingy tsy hahita; na hahita ireo hodi-mason'ny vao mangiran-dratsy, 10 satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ny reniko izany, ary satria tsy nanafina ireo fahoriana tsy ho eo imasoko izany. 11 Nahoana re aho no tsy maty rehefa nivoka avy tao an-kibo? Nahoana aho no tsy nandao ny fanahiko raha niteraka ahy ny reniko? 12 Nahoana no nitsena ahy ireo lohaliny? Nahoana no nandray ahy ireo nonony mba hahafahako mitsetsitra? 13 Fa tahaka izay aho efa nandry am-pilaminana. Natory aho ary nitsahatra 14 niaraka tamin'ireo mpanjaka sy ireo mpanolo-tsain'ny tany, izay nanorina ireo fasana ho an'ny tenan'izy ireo izay efa rava ankehitriny. 15 Na efa nodimandry niaraka tamin'ireo andriandahy izay nanana volamena fahizay aho, izay nameno ireo tranony tamin'ny volafotsy. 16 Na mety ho teraka tsy tonga volana aho, toy ireo zaza izay tsy mbola nahita ny hazavana mihitsy. 17 Any no mitsahatra amin'ny fahoriana ny ratsy fanahy; any no mitsahatra ny reraka. 18 Any ireo voafonja dia hiaraka hitony; tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy ireo. 19 Samy any ny olona kely sy lehibe; ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony any. 20 Nahoana ny fahazavana no omena azy izay ao anatin'ny fahoriana? Nahoana ny fiainana no omena an'izay mangidy fanahy, 21 ho an'ny iray izay miandry fatratra ny fahafatesana izay tsy ho avy; ho an'ny iray izay mihady fahafatesana mihoatra noho ny harena miafina? 22 Nahoana ny fahazavana no omena ho an'ny iray izay feno hafaliana ary ravoravo rehefa hitany ny fasana? 23 Nahoana ny fahazavana no omena ho an'ny olona iray izay miafina ny lalany, olona iray izay voafehin'Andriamanitra tao? 24 Fa ny fisentoko dia miseho raha tokony hihinana; miraraka toy ny rano ny fitarainako. 25 Fa ny zavatra izay natahorako dia tonga teo amiko; izay nampatahotra ahy dia tonga tamiko. 26 Tsy milamina aho, tsy mangina aho, ary tsy manana fitsaharana aho; ny fahoriana indray no tonga."
"nanomboka niteny" (UDB).
Miteny izany andro sy alina izany ho toy ny olona i Joba. DH: "Tiako raha tsy teraka akory aho"
Io fomba fiteny io dia manamafy ny fanambarana ny alahelon'i Joba tamin'ny fiverenana lavitra nanomboka tamin'ny fotoana nanorotoroana azy ka hatramin'ny fahaterahany. DH: "Ny alina izay nanao hoe: 'Misy zazalahy vao torontoroina' levona."
Ny alina lazaina eto dia enti-milaza ny olona tsy afaka miteny. Ny mpandika teny dia mety hifidy an'io, na izany aza, mba handikana azy an'ohatra amin'ny fomba hafa farafaharatsiny. DH: "Ny alina izay nilazan'ny olona."
"mitoe-jazalahy ny reniny."
Ny fomba fiteny ato anatin'ireto andininy ireto dia samy faniriana ny mba tsy hisian'ny andro nahaterahan'i Joba intsony. Mety hifono hevitra ambadika ny amin'ny andro izay somary mbola misy, eny fa na dia efa tamin'ny fotoana lasa aza. Ireo mpandika teny dia mety handika izany tahaka ny ataon'ny UDB hoe: "Mba faniriako raha aizina ny andro nahaterahako."
ireo fepetra roa ireo dia milaza ny aizin'ny andro nahaterahan'i Joba, toy izany no namerimberenana ny neni'ny Joba ny amin'ny nahterahany.
Io dia faniriana ny mba tsy hisian'izany andro izany intsony. DH: "Ho foana anie izany andro izany."
Ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana eto dia lazaina ho toy ny olona afaka mitaky ny zavatra izay azy manokana. Ny teny hoe "azy" dia mandondro ny andro nahaterahan'i Joba.
Ny aloka eto dia manondro ny fahafatesany. DH: "fahafatesana tahaka ny aloka"
Ny rahona eto dia lazaina ho toy ny olona afaka miaina ivelan'ny andro nahaterahan'i Joba. DH: "Ny rahona anie handrakotra izany ka tsy hisy hahita anie izany"
Io dia manondro ny zavatra izay manohana ny hazavan'ny masoandro ary miteraka aizina. Ny "mainty" eto dia mampiseho ny aizina.
"hampihorohoo izany andro izany." Ilay andro dia lazaina toy ny olona izay mety hampitahorin'ny aizina.
Io aizim-pito io dia lazaina indray toy ny olona izay mitana sy mihazona ny alina. DH: "Ny aizim-pito anie hanafoana izany"
"aizina lalina" na aizina tanteraka"
Ny teny hoe "izany" dia manondro ny andro nahaterahana na nanorontoroana an'i Joba ho toy ny olona izay tsy afa-mifaly. DH: "Hanjavona ao anaty tetiandro anie izany alina izany"
Izany alina izany dia lazaina ho toy ny olona izay afaka nandeha. DH: "tsy hisy hanisa anie izany"
Ny alina nahaterahan'i Joba dia lazaina ho toy ny vehivavy. DH: "Tsy hisy zaza anie ho teraka amin'izany andro izany"
Ny alin'ny andro nahaterahan'i Joba eto dia lazaina ho toy ny fotoana iza mbola azon'ny olona hifaliana. DH: "Tsy hisy hahare anie ny hiakam-pifaliana amin'ny andro hahaterahan'ny zazalahy"
Ny feo eto dia midika ho olona faly. DH: "Tsy hisy olona hifaly amin'izany intsony anie"
Joba eto dia mety manondro ireo mpanao ody na ombiasy, izay hinoany fa mety hahavita hiantsy ireo Leviatana amin'ny alalan'ny korontana. Leviatana dia biby fanta-daza tany amin'ny angano Tandrefana Fahagola, izay noheverina ho fototry ny karazam-pahapotehana, fisavoritahana, ary fikorontanana rehetra.
io dia manondro ireo planeta izay matetika hita mialohan'ny mangiran-dratsy. DH: "Ho maizina anie ireo kintana izay miseho alohan'ny voalohan-kazavan'izany andro izany"
Ny andro izay nahaterahan'i Joba dia lazaina ho toy ny olona mitady zavaytra. DH: "Haniry hazavana anie izany andro izany, saingy tsy hahazo."
ny vao mangiran-dratsy dia lazaina ho toy ny hodi-maso izay hananan'ny olona iray. DH: "na hahita ny voalohan-kazavan'ny vao mangiran-dratsy."
Ny kibom-behivavy dia lazaina ho toy ny fitoeran-javatra misy varavarana DH: "satria tsy nanidy ny kibon-dreniko izany andro izany"
Ny andro nahaterahan'i Joba eto dia lazina ho toy ny olona izay afaka manafin-javatra.
Ny "maso" eto dia mampiseho ny olona izay niara-nahita tamin'izy ireo. DH: "Tsy ho eo amiko"
Io andalan-teny io dia mirakitra ireo fanontaniana fampisainana, izay anontanian'i Joba mba hanaovana karazana fanambarana.
"Nahoana re aho no tsy maty teo am-pahaterahana?" mametraka io fanontaniana io i Joba mba hanozonana ny andro nahaterahany sy mba hanehoana ny fangirifiriany. DH: "Tiako raha mba maty tamin'ny andro nahaterahako aho"
Ny tian'i Joba lazaina dia ny mba tsy hahaterahany velona. DH: "Tiako raha mba maty aho raha nivoaka avy ao an-kibo."
Io dia manondro fahafatesana
Mety manondro ny fiampofoan'ny renin'i Joba angamba io. Ireo lohaliky ny renininy di resahina toy ny olona izay afaka mitsena zaza vao teraka. DH: "Tiako raha tsy nisy fiampofoana nitsena ahy."
Ny nonon'ny renin'i Joba dia resahina toy ny olona izay afaka mitsena zaza mena vava. DH: "Tiako raha mba tsy nisy nono hinonoana ho ahy."
Mampiasa fehezanteny roa i Joba mba hieritreretana raha mba nanahoana raha tsy teraka izy na maty teo am-piterahana.
Maka sary an-tsaina ny zavatra mety ho nitranga tany aloha i Joba kanefa tsy niseho araka ny voalaza etsy ambony. DH: "Tokony efa ho nandry am-pilaminana aho"
"resin-tory, mandry am-piadanana"
ny teny hoe hoe "mitsahatra" eto dia midika ho mandry am-piadanana, kanefa ihany koa tsy te hiaina ireo fanaintainana izay iainany Joba.
"miaraka amin'ireo mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy"
Nanohy ny famisavisany ny amin'ny fahafatesana mialohan'ny nahaterahany i Joba
Io dia maneho ny zavatra izay mety ho niseho kanefa tsy niseho.
"efa niara-nitsahatra tamin'ny andriandahy aho." (ULB) amin'io andian-teny io, ny teny hoe "nodimandry" sy "nitsahatra" dia teny mihaja mba hilazana ny hoe "tsy velona intsony."
Mampiasa fampitoviana i Joba mba hanamafisana izay lazainy.
Mampiasa fampitoviana i Joba mba hanamafisana izay lazainy
"Efa maty tao an-kiubon-dreniko aho"
"toy ireo zaza izay tsy teraka akory"
"zazamena" na "zazakely"
Manova ny resany miala amin'ny fahafatesana mankany amin'ny fahavelomana i Joba aorian'ny fahafatesana.
Mampiasa fampitoviana i Joba mba hanamafisana fa ireo izay manetry tena dia hahita fitsaharana avy amin'ireo izay nampitondra zava-tsarotra azy.
Miresaka momba ny toerana izay handehanan'ny olona aorian'ny fahafatesana i Joba. DH: "Any amin'izany toerana izany, hitsahatra amin'ny fampitondrana fahoriana ny ratsy fanahy"
Ny teny hoe "feo" eto dia fanoharana amin'ny hery izay ananan'ireo mpampiasa manoloana ireo andevo. DH: "Tsy ho eo ambany fifehezan'ireo mpampiasa intsony izy ireo"
Io dia sarin-teny izay midika hoe "ny olona rehetre, na ny mahantra nany manan-karena."
Ny mpanompo dia tsy terena hanompo ny tompony intsony.
Ireo fanontanian'i Joba roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Manontany izy hoe nahoana ireo izay misedra zava-tsarotra no mbola velona.
Eto i Joba dia manontany tena ny amin'ny antony ahaveloman'ny olona nefa mijaly. DH: "Tsy takatro ny antony hanomezan' Andriamanitra fiainana ho an'ny olona mijaly"
Ny fahazavan eto dia mampiseho fiainana
"Nahoana manome aina ho an'ireo olona ory Andriamanitra?" DH: "Tsy takatro ny antony mbola hanomezan'Andriamanitra aina ireo olona izay tena ory...ny harena miafina"
Ny fahafatesana eto dia resahana toy ny zavatra iray izay avy manantona olona. DH: " ho an'ny olona izay tsy te ho velona intsony, kanefa mbola velona"
Olona mantantena ny ho faty dia resahan toy ny hoe mihady harena milevina any ambany tany. DH: "ho an'ny olona izay maniry ny ho faty kokoa noho ny hihadiany harena miafina."
Mampiasa fanontaniana i Joba eto mna hanaovana fanambarana. DH: "Tsy azoko ny antony mbola hamelan' Andriamanitra ny olona ho velona raha toa ka mahafaly fatratra azy ny hilevina ao ambany tany"
Ny andian-teny hoe "feno hafaliana" dia mitovy dika amin'ny hoe "ravo" amin'ny ankapobeny. Samy mampisongadina haravoana ireo andian-teny roa ireo. DH: "ilay iray izay tena faly"
Io dia fomba mihaja enti-milaza fahafatesana. DH: "rehefa maty sy azo alevina izy"
Ny fasana eto dia mampiseho fahafatesana.
Manontany io fanontanian io i Joba mba hanaovana fanambarana. DH: "Tsy tokony manome fiainana olona Andriamanitra ka mitondra ny hoaviny ary manakona azy."
Ny fahazavana eto dia mampiseho fiainana. DH: "Nahoana no mamelona ny olna Andriamanitra"
Miteny ny amin'ny hoaviny i Joba eto, izay tsy fantany tany mialoha, toy ny hoe nafenin' Andriamanitra.
Ny ao anaty fahasarotana sy tandindonin-doza eto dia resahina toy ny hoe voatazona ao anaty toerana tery.
Mampiseho ny hirifiriny amin'ny fomba roa i Joba.
"Misaona aho raha tokony hihinana
Ny fomba fisainana sy fihetsem-po tahaka ny alahelo dia resahana toy ny hoe rano.
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy. DH: "Ny zavatra atahorako indrindra no nihatra tamiko" na "tanteraka ny zavatra atahorako indrindra"
Mampiseho ny alahelony amin'ny andian-teny telo misaratsaraka i Joba. DH: "Manahy mafy aho" na "mijaly ara-tsaina sy ara-batany"
Ny fahoriana dia resahina toy ny hoe nisy zavatra iray tonga tamin'i Joba. DH: "Fa ny fahoriana indray no mampijaly ahy"
1 Dia namaly i Elifaza ilay Temanita ka nanao hoe: 2 "Raha misy olona manandrana miresaka aminao, dia tsy haharitra ve ianao? Nefa iza no afaka handrara ny tenany tsy hiteny? 3 Indro, maro ireo efa nampianarinao; efa nampatanjaka ny tanana malemy ianao. 4 Nihazona izay nianjera ireo teninao; efa nohamafisinao ny malemy lohalika. 5 Kanefa izao tonga aminao ny fahoriana, ary ketraka ianao; mikasika anao izany, ary ory ianao. 6 Moa tsy ny fahatahoranao no tokinao, ary ny fahitsian'ny lalanao no fanantenanao? 7 Mba saino re izao: iza no efa ringana tsy nanan-tsiny? Na oviana ireo olo-marina no nopotehina? 8 Araka izay efa hitako, ireo izay mamboly heloka sy mamafy olana no mijinja izany. 9 Amin'ny alalan'ny fofonain'Andriamanitra no haharingana azy ireo; amin'ny fipoahan'ny hatezerany no hahalevona azy ireo. 10 Ny fieron'ny liona, ny feon'ny liona masiaka, ireo nifin'ny liona tanora—potika ireo. 11 Ringana ny liona antitra nohon'ny tsy fahampian'ireo haza, ireo zanaky ny liona vavy dia miparitaka eny rehetra eny. 12 Nisy raharaha nentina mangingina teto amiko, ary nahare bitsika momba izany ny sofiko. 13 Dia nisy eritreritra tonga avy tamin'ny fahitanna amin'ny alina, rehefa tafalatsaka tamin'ny olona ny torimaso lalina. 14 Tanaty alina no nahatongavan'ny tahotra sy horohoro tamiko, ary nangovitra ny taolako rehetra. 15 Ary nisy fanahy nandalo teo anoloan'ny tavako, ary nitsangana ny volo tamin'ny vatako. 16 Nijanona ilay fanahy, saingy tsy nety voafaritro ny endriny. Endrika iray no teo anoloan'ny masoko; nisy fahanginana, ary nahare feo aho nanao hoe: 17 "Afaka ny ho marina kokoa noho Andriamanitra ve ny olona mety maty? Afaka ny ho madio noho ny Mpamorona azy ve ny olona iray? 18 Indro, raha tsy mametraka fitokisana amin'ireo mpanompony Andriamanitra; raha miampanga ireo anjeliny nohon'ny fahadalana Izy, 19 hatraiza ny fahamarinan'ireo izay monina anaty trano vita amin'ny tanimanga, izay ao amin'ny vovoka ny fototra iorenany, izay potika mialohan'ny kalalao? 20 Potehina eo anelanelan'ny maraina sy hariva izy ireo; ringana mandrakizay tsy misy mahatsikaritra akory izy ireo. 21 Tsy voaongotra tamin'izy ireo ve ny tadin-dain'izy ireo? Maty izy ireo; maty tsy misy fahendrena izy ireo.
Elifaza dia anaran-dehilahy
Tematita dia an'ireo fokon'i Temana
Manontany io fanontaniana io i Elifaza mba hanaovaona fanambarana. DH: "Tsy hanam-paharetana tokoa ianao."
"Hahasorena anao ve izany"
Manontany io fanontaniana io i Elifaza mba hilazana fa tsy hisy hahavita hangina raha mahita namana mijaly. DH: "Tsy misy mahavita manakan-tena tsy hiteny (amin'ny namana mitovy toe-javatra iainana aminao)" na "tsy maintsy miteny aminao aho, (hita fa ao anaty alahelo ianao)."
Io andalana io dia manambara hevitra iray amin'ny fomba roa samihafa
Ny "tanana malemy " eto dia mampiseho olona izay mila fanampiana. DH: "Efa nanampy ireo maro hafa ianao raha nila fanampiana izy ireo
Mampiasa fampitoviana isaky andininy ny mpanoratra mba hanaovan hevitra iray amin'ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana: 1) ny fanampiana izay nomen'i Joba ireo hafa taloha, 2) ny vokatr'ireo fahavoazana mahazo azy ankehitriny, 3) ny fivavahany teo anatrehan' Andriamanitra.
Ny olona nampaherezina dia resahina toy ny hoe notazomina mba tsy ho lavo.
Ny fahaketrahana eto dia resahin toy ny hoe fianjerana
Ny fahakiviana eto dia resahina toy ny hoe olona malemy lohalika izay tsy afa-miarina.
Ny fahoriana eto dia resahinana toy ny hoe zavatra iray tonga amin'olona iray. DH: " Fa miijaly noho'ny loza ianao."
"kivy ianao"
"ny fanomezanao voninahitra an' Andriamanitra"
Manontany io fanontaniana io i Elifaza mba hitenenana an'i Joba fa ny fahotany no mahatonga azy hijaly. DH: "Mihevitra ny rehetra fa manome voninahitra an'Andriamanitra ianao; mihevitra ny rehetra fa lahilahy marina ianao. Fa tsy voatery ho marina ireo , satria tsy matoky an'Andriamanitra intsony ianao.
Ny fahatahoran'i Joba an' Andriamanitra no tian'ny Elifaza lazaina. DH: "ny fahatahoranao an'Andriamanitra"
Ny "lalanao" eto dia mampiseho ny "fitondran-tenanao," "manao ahoana ny fitondran-tenanao."
Mampiasan io fanontaniana io i Elifaza mba hibitsihana an'i Joba mba handinika ny fiainany ny amin'ny fahotana ( sy ny fitsara-marin'Andriamanitra) ho toy ny anton'ny fahaverezany. DH: "Tsy mbola nisy novonoina nefa tsy nanan-tsiny."
Io fanontaniana io ihany koa dia midika fanaovana fanambarana, afaka atao fehezanteny tso-drafitra. DH: "Tsy mbola nisy namotika olo-marina."
Ny fahapotehana eto dia mampiseho faharavana.
Ny mamboly sy ny mamafy eto dia mampiseho fiterahana olana amin'ny olona hafa. Ny mijinja dia mampiseho fijaliana vokatry ny olana izay nataon'ny tenany.
Manazava hevitra iray ny mpanoratra eto amin'ny fampiasana fanambarana roa samihafa. Io dia endrika tononkalo Hebreo nampiasaina mba hanamafisana, hanazavana, hampianarana, na izy telo mihitsy.
Io dia mety mampiseho fihetsik'Andriamanitra manome baiko.
Io fomba fiteny io dia milaza fofonaina mafy izay matetika atao amin'ny orona rehefa tena tezitra izy.
Ilay faharoa dia miorina amin'ilay voalohany. Milaza zavatra mitovy ireo amin'ny alalan'ny fanazavana izay mampiaka-danja ny vokany. "Indray mitsoka ny vavan'Andriamanitra dia maty izy ireo; mandrava azy ireo ny fifofofofon'ny rivo-pahatezerany."
Ilay andian-teny faharoa dia miorina amin'ilay voalohany. milaza zavatra mitovy ireo. "Indray mitsoka ny vavan'Andriamanitra dia maty izy ireo, mandrava azy ireo, ny fifofofofon'ny rivo-pahatezerany."
Ny fahalevonana na fahalaniana eto dia mampiseho fahafatesana
Mampiasa fampitoviana ny mpanoratra amin'ireo andininy ireo, mampita hevitra iray amin'ny alalan'ny fampiasana fanambarana samihafa mba hanamafisana ny famotehan'Andriamanitra ny olona ratsy fanahy.
Ny fieron'ny liona, ny feony, ary ny nifin'ny liona potika eto dia natao ho toy ny sarin'ny ratsy fanahy eo andalam-pahapotehana
Mety atao tso-drafitra io. DH: "misy zavatra mamotika azy ireo"
Mampiasa sarintsarina liona matin'ny hanohanana sy fianakavian-diona miparitaka ho fanoharana ny ratsy fanahy eo an-dalam-pahapotehana i Elifaza
"zavatra manaparitaka ireo zanaky ny liona vavy"
Ireo andian-teny ireo dia maneho hevitra iray amin'ny fomb samihafa. Mampita ny hevitry ny fahenoan'i Elifaza hafatra nibitsika teo an-tsofiny izy ireo. Io fiverenana io dia endrika tononkalo Hebreo nampiasaina matetika mba hanamafisan, hampianarana, na hanazavana.
"zavatra nitondra zavatra mangingina teto amiko"
"nofy"
"rehefa tena resi-tory tanteraka ny olona"
Mampiasa fampitoviana ny mpanoratra amin'ireto andalana ireto, mampita hevitra iray amin'ny fanambarana samihafa mba hanamafisana ny tahotr'i Elifaza.
Ny tahotra sy ny horohoro eto dia resahina toy ny hoe nisy zavatra iray tonga tamin'olona iray. DH: "Nanomboka natahotra sy nihorohoro aho."
Io dia manondro tahotra lehibe.
"ny volo amin'ny vata-tenako"
Mampiasa fampitoviana ao amin'ny adininy faha 17 ny mpanoratra, mamita hevitra iray amin'ny fampiasana fanambarana samihafa mba hanamafisana ny amin'ny fahadiovan'ny olona eo anatrehan'Andriamanitra
"Nisy zavatra teo anoloan'ny masoko," "nahita zavatra aho"
"naheno aho avy eo"
Mametraka io fanontaniana io i Elifaza mba hiheveran'i Joba hoe: "Mihevitra ny tenako ho marina kokoa noho ny Tompo ve aho?" na "Voamarina teo anatrehan'Andriamanitra ve aho?" DH: "Ny olona mety maty dia tsy ho marina mihoatra an'Andriamanitra" na "Ny olona mety maty dia tsy marina eo anatrehan'Andriamanitra."
Io fanontaniana io dia mitovy tanjona amin'ilay fanontaniana voalohany. DH: "Ny olona dia tsy ho madio mihoatra noh ny Mpamorona azy" na "Ny olona dia tsy madio eo anatrehan'ny Mpamorona azy."
"Mpahary"
Io dia sarin-teny entina milaza ny maha olombelona, izay novolavolaina avy tamin'ny vovoky ny tany ary ny vatany dia tahaka ny trano, izay vita tamin'ny tanimanga sy maloto fanorenana.
Ny andian-teny hoe "mialohan'ny" dia adika hoe "alohan'ny" raha ny tokony ho izy." DH: "potika alohan'ny kalalao" na " potika tahaka ny kalalao"
"nisy zavtara namotika azy ireo"
"maty"
Ireo andininy ireo dia manohy ireo fampitoviana nampiasaina farany, manamafy ny hevitry ny olona maty tampoka tsy nahatratra ny fahendrena sy miraharaha ny avy amin'ny hafa.
Io dia manondro ny hevitry ny zavatra niseho haingana.
Mety azo adika tso-drafitra ihany koa io. DH: "maty izy ireo"
Azo atao tso-drafitra io. DH: "Moa ve tsy efa nongotan'ireo fahavalony ny teo amin'izy ireo ny tadin-dainy"
Ny "tadin-day" eto dia mampiseho lay. Matetika ny tranon'olona sy ny ankohonany dia oharina amin'ny lainy, izay azo lazaina ihany koa hoe ny fananany rehetra.
1 Miantsoa mafy ankehitriny; hisy olona hamaly anao ve? Iza amin'ireo masina no hitodihanao? 2 Satria ny hatezerana no mamono ny olona adala; ny fialonana mamono ny ketrina. 3 Efa nahita olona adala nahazo faka aho, fa tampoka teo dia nozoniko ny tokantranony. 4 Ny zanany dia lavitry ny filaminana; voatorotoro ao amin'ny vavahadin'ny tanàna izy ireo. Tsy misy olona hamonjy azy ireo. 5 Ny noana no mihinana ny vokatr'izy ireo; alain'izy ireo amin'ireo avy eny amin'ny tsilo mihitsy aza izany. Ny mangetaheta misanasana vava amin'ny haren'izy ireo. 6 Satria ireo ady sarotra dia tsy mivoaka avy ao amin'ny tany; na ny fahoriana mitsimoka avy amin'ny tany. 7 Fa kosa, ny olombelona dia teraka ho an'ny fahoriana, tahaka ny pitik'afo manidina miakatra. 8 Fa raha ny amiko, dia hitodika amin'Andriamanitra aho; Aminy aho no hametraka ny adiko— 9 Izy izay manao zavatra lehibe sy tsy takatry ny saina, zavatra mahatalanjona tsy hita isa. 10 Manome orana ny tany Izy, ary mandefa rano amin'ireo saha. 11 Manao izany Izy mba hametrahana amin'ny avo ireo izay iva; mba hanandratana ny malahelo ho amin'ny filaminana. 12 Nandrava ny fikasan'ireo olona fetsy Izy, mba tsy hahomby ny tanan'izy ireo. 13 Mamandrika ny olona hendry amin'ny asa an-kafetsen'izy ireo Izy; ny tetiky ny olona ratsy fanahy dia miafara faingana. 14 Mihaona amin'ny aizina izy ireo amin'ny atoandro, ary mitsapatsapa amin'ny mitatao vovonana toy ny amin'ny alina. 15 Kanefa manavotra ny olona mahantra tsy ho amin'ny sabatry ny vavan'izy ireo ary ireo olona ory tsy amin'ny tanan'ny olona mahery izy. 16 Koa manam-panantenana ireo mahantra, ary ny tsy fahamarinana nampangina ny vavany ihany. 17 Indro, voatahy ny olona izay hahitsin'Andriamanitra; noho izany, aza atao tsinontsinona ny famaizan'ilay Tsitoha. 18 Fa mandratra Izy ary avy eo mamehy ny ratra; mandratra Izy ary avy eo ny tanany no manasitrana. 19 Hanavotra anao amin'ireo fahoriana enina Izy; eny tokoa, amin'ireo fahoriana fito, tsy hisy ratsy hikasika anao. 20 Amin'ny mosary dia hanavotra anao amin'ny fahafatesana Izy, ary amin'ny tanan'ny sabatra amin'ny ady. 21 Ho afenina amin'ny lozan'ny teny ianao; ary tsy hatahotra ny faharavana ianao rehefa tonga izany. 22 Hihomehy ny faharavana sy ny mosary ianao, ary tsy hatahotra ireo bibidian'ny tany. 23 Satria hanana fanekena amin'ireo vato ao an-tsahanao ianao, ary ireo bibin'ny saha dia hihavana aminao. 24 Ho fantatrao fa voaaro ny lainao, hitsidika ny valan'ondrinao ianao ary tsy ho ory na inona na inona. 25 Ho fantatrao ihany koa fa ho lehibe ny voanao, fa ho tahaka ny ahitra eny amin'ny tany ny zanakao. 26 Ho any am-pasana ianao rehefa voky taona, tahaka ny isan'amboaram-bary izay miakatra amin'izany fotoana izany. 27 Indro, efa nodinihanay izany raharaha izany; tahaka izao izany; henoy izany, ary fantaro ho an'ny tenanao."
Mametraka io fanontaniana io i Elifaza mba hanamarihana fa tsy nisy na iza na iza ahazon'i Joba fanampiana. DH: "Moa ve misy ilay azonao itodihana?" na "Tsy misy masina ahazoanao fanampiana."
Io dia manondro ireo zavatra sasany mihoatra ny natoraly, na anjely na fanahy hafa.
Io dia manondro ny olona kentrina sy ny olona adala.
"Ny fialonana dia mamono izay manao zavatra tsy amim-pahalalana sy amim-pahataitairana"
Eto ny olona iray dia resahina toy ny hoe nisy zava-maniry, mety ho miha adala dia miha adala hatrany. DH: "Miha mafy orina amin'ny fahadalana hatrany ny olona adala"
Io dia manondro ny ankohonan'ilay olona sy ireo fananany rehetra.
Ireto andininy ireto dia manohy ny fampitoviana nampiasaina farany, eto dia manamafy ny hevitry ny hoe 'ny zanaky ny olona adala dia tsy mandry fahalemana mihitsy' amin'ny fomba samihafa
ny "-ny" eto diamanondro ireo olona adala na ireo vahoaka adala ao amin'ny 5:1. DH: " Ny zanak'izy ireo dia tsy mandry fahalemana mihitsy"
Ny voatorotora eto dia mampiseho fampaoriana, very rariny, any amin'ny fitsarana. Io hevitra dia mety atao tso-drafitra. DH: "Misy mampaory azy ireo
Ny vavahadin'ny tanàna, izay toy mpitsara, dia toerana izay famahana fifandirana sy fanomezana fitsarana.
"Tsy misy olona hamonjy ny zanak'olona adala amin'ny zava-tsarotra"
Mety manondro ampahana saha angamba io, izay hanirian'ny vokatra ratsy, nohon'ny tsilo maniry ao.
Ny olona tia vola eto dia resahina toy ny hoe mangetaheta, ary ny harenan'ny olona adala dia resahina toy ny hoe zavatra azon'izy ireo sotroina.
Ny ady sarotra sy ny fahoriana eto dia resahina toy ny hoe misy zavtra maniry.
Voajanahary ho an'olombelona izany, rehefa teraka izy, dia manana fahoriana tahaka ny pitik'afo manidina miakatra.
Ato amin'ireto andininy ireto, dia manohy ny resany tao amin'ny 4:1 i Elifaza. Manohy ny fampitoviana isaky ny andininy, mampita hevitra iray amin'ny fanambarana samihafa ma hanamafisana fa mila mitalaho ny raharahany amin'Andriamanitra izay manao zava-magaga i Joba.
"zava-dehibe izay tsy takatry ny saina, zava-mahagaga izay tsy azo isaina"
Io dia manondro ny zavatra izay tsy takatry ny sain'olombelona.
Mampiasa teny mahaleoteana roa ny mpanoratra mifampitohy amin'ny "sy" ny mpanoratra eto mba ny fahalehibeazan'ny asan'Andriamanitra. DH: "Zava-dalina tokoa"
"zava-mahagaga" na "fahagagana"
Manohy mampiasa fampitoviana isaky ny andininy ny mpanoratra, mampita hevitra iray amin'ny fomba roa samihafa mba hanamafisana ny fanohanan'Andriamanitra ireo manetry tena sy fanetrena ireo fetsifetsy.
Ny olona manetry tena ao anaty fahoriana dia resahana toy ny hoe ambany. Raha manavotra azy ireo andriamanitra, dia mahazo voninahitra izy ireo. Rehefa mitranga izany dia resahina toy ny hoe nasandratra sy napetraka amin'ny toeran avo izy ireo. DH: "Manao izany ny Tompo mba hanavotana sy hanomezana voninahitra ireo manetry tena izay avy nijaly"
Ny fampitsaharana ny fikasan'ireo olona fetsifetsy dia resahina toy ny hoe misy zavatra azo ravana avy mivantana.
Ny fampahoriana ny olon-kendry amin'ireo asa ratsiny dia resahina toy ny hoe misambotra azy ireo amin'ny fandrika. Ny asan'ny tenan'izy ireo dia resahina toy ny hoe ny fandrika mahazo azy ireo.
Ny fetsy an-karatsiana eto dia resahina toy ny hoe ratsy fanahy. DH: "ireo izay fetsy" na "ireo izay maniasia" na "ireo izay malina"
Manohy mampiasa fampitoviana isaky ny andininy ny mpanoratra eto, mampita hevitra iray amin’ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana ny fomba nanetren'Andriamanitra ireo izay fetsifetsy sy ny nanavotany ireo mahantra.
Eto, ny fetsifetsy, ny olona ratsy fanahy izay afangaron'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe ao anaty aizina tampoka amin'ny mitatao vovonana ireo, raha ilay eo an-tatao eny amin'ny habakabaka iny ny masoandro. Tsy afaka manao izay tiany atao izy ireo, satria tsy mahita izy ireo. DH: "Ireo izay fetsifetsy dia anaty aizina, eny na dia amin'ny mitatao vovonana aza"
mitsapatsapa toy ny olona jamba
"antoandro be nanahary"
Ny faniratsirana sy ny fandrahonana izay tenenin'ny olna eto dia resahi na toy ny hoe sabatra eo amin'ny vavany. DH: "Fa manavotra ireo olona mahantra amin'ny fandrahonan'ireo mahery izy" na "Fa manavotra ireo olona mahantra izy rehefa mandrahona sy maniratsira azy ireo mahery"
Ny olona izay miteny zavatra tsy marina dia resahina toy ny hoe tsy marina izy ireo, izay tsy maintsy mangina. DH: "Ny eritreritra tsy marina no mampangina ny vavany ihany."
Manohy mampiasa fampitoviana ao amin'ny andininy faha 18 sy 19, mampita hevitra iray amin'ny fampiasana fanambarana roa samihafa mba hanamafisana ny asan'Andriamanitra amin'ny famaizana sy fanasitranana
Andriamanitra dia heverina toy ny ray aman-dreny manitsy na manoro lalana ny zanany.
"niangarana"
"aza lavina" na "aza heverina ho zava-poana"
"fanoroana lalana" na "fanitsiana" na "fitsipika" (UDB)
"fa mandratra Izy kanefa mamehy ny ratra; mamotika Izy kanefa ny tanany no manasitrana"
Ny "tanana" eto dia mampiseho Andriamanitra
Ny fampiasana ny isa miakatra tahaka ny "enina" sy "fito" dia mampiseho ny hevitry ny maro, miverimberina. DH: "Hamonjy anao amin'ny fahoriana Izy; eny tokoa, hatrany hatrany, tsy hisy ratsy hahakasika anao"
Ny fiovàna amin'ny mpisolo anarana "izy" ho "ianao" izay nanomboka tao amin'ny 5:17 dia mitohy hatramin'ny fiafaran'ny tenin'i Elifaza ao amin'ny 5:26.
"Amin'ny mosary dia hanavotra anao Andriamanitra"
"hanefa anao" na "hamonjy anao" na "hanavotra anao amin'ny loza"
"loza avy amin'ireo fahavalo"
"tsy hatahotra bibidia ianao"
ireo biby izay mbola tsy folaka na nofanina
Manohy mampiasa fampitoviana isaky ny andininy ny mpanoratra, mampita hevitra iray amin’ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana filaminana eo anatrehan'ny tontolo voajanahary, fananana, ary ireo taranaka.
Io fehezanteny io dia mampiasa sarin-teny mba hampitana ny hakanton'ny tontolo voajanahary. DH: "Ny fanekenao dia ho amin'ireo vato eny an-tsaha"
"ireo biby any an'ala dia hihavana aminao"
biby izay mbola tsy folaka na nofanina
"ho fantatrao fa ny lainao dia milamina"
"hitsidika ireo biby fiompinao ianao ary tsy ho ory na inona na inona
Ao amin'ity fanoharana ity, ny "zanany" dia heverina toy ny hoe maro isa tahaka ny ahitra. "Ho fantatrao ihany koa fa ireo taranakao dia ho maro, fa ho tahaka ny ahitra maniry amin'ny tany ny zanakao"
ho faty ianao rehefa tena antitra
Mampiasa fanoharana i Elifaza mba hanindriany fa i Joba dia ho faty rehefa tonga ny fotoanany. DH: "Tahaka ny voa jinjaina amin'ny fotoana voatondro, koa mety ho faty ianao amin'ny fotona voatondro ho anao."
"-nay" dia manondro ireo naman'i Joba, isan'izany i Elifaza, izay miteny. DH: "Indro, efa nihevitra io raharaha io izahay. Henoy izay lazaiko ary fantaro fa marina izany."
1 Dia namaly Joba ka niteny hoe: 2 "Eh, raha mba voalanja mantsy ny fangirifiriko; raha mba natao teo amin'ny mizana avokoa mantsy ny loza nanjo ahy rehetra! 3 Fa ankehitriny dia mavesatra kokoa noho ny fasi-dranomasina izany. Ka izany no mahatonga ireo teniko tsy am-piheverana. 4 Fa ny zana-tsipìkan'ny Tsitoha dia ato amiko, misotro poizina ny fanahiko; ireo fampihorohoroan'Andriamanitra dia milahatra hanohitra ahy. 5 Maneno fatratra ve ny ampondra-dia raha manana ahitra? Na ny omby hitrena nohon'ny hanoanana raha manam-bilona? 6 Ary izay tsy misy tsiro ve azo hohanina raha tsy misy sira? Na misy tsirony ve ny tapotsin'atody? 7 Mandà ny hikasika ireo aho; tahaka ny sakafo maharikoriko ahy ireo. 8 Eh, enga anie ka ho azoko ny fangatahako; eh, enga anie ka homen'Andriamanitra ahy ny zavatra izay iriko mafy: 9 mba ho sitrak'Andriamanitra ny hanorotoro ahy indray mandeha, ka haninjtra ny tanany ary hanala ahy amin'ity fiainana ity Izy! 10 Aoka ho mbola fiononako izao— na dia mifaly ao amin'ny fanaintainana izay tsy mihena aza aho: fa tsy nandà ny tenin'ilay Iray Masina aho. 11 Inona moa no heriko, no mbola tokony hiezaka hiandry ihany aho? Inona no hiafarako, no tokony ho halavaiko ny androko? 12 Herim-bato ve ny heriko? Na vita amin'ny varahina ve ny nofoko? 13 Tsy marina ve fa tsy misy fanampiana intsony ao amin'ny tenako, ary izany fahendrena izany efa nesorina tamiko? 14 Ho an'ny olona izay efa ho ketraka, ny fahatokiana no tokony hasehon'ny namany; na dia amin'izay nahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha aza. 15 Fa ireo rahalahiko dia nahatoky tamiko tahaka ny ranotrambo any an'efitra, tahaka ny lakan-drano izay mandalo fotsiny ihany, 16 izay maizina nohon'ny ranomandry ao amin'izy ireo, ary tahaka ny oram-panala izay manafina ny tenany ao amin'izy ireo. 17 Ary rehefa levona izy ireo, dia manjavona; rehefa mafana, dia mitsonika am-pitoerana. 18 Ny rodobe izay mandeha amin'ny lalany dia nivily hitady rano; mirenireny eny an-tany tsy mamokatra izy ireny ka dia ringana. 19 Ny rodobe avy any Tema dia nitazana teny, raha nanantena azy ireo ny antokon'i Sheba. 20 Diso fanantenana izy ireo nohon'ny fahatokiany fa hahita rano. Nandeha tany izy ireo, kanefa voafitaka. 21 Fa ankehitriny ianareo namako dia tsinontsinona amiko; mahita ny zavatra mahatsiravina nanjo ahy ianareo ka matahotra. 22 Niteny taminareo ve aho hoe: 'omeo zavatra aho?' Na hoe: 'Hanolory fanomezana avy amin'ny harenareo aho?' 23 Na hoe: 'Avoty amin'ny tanan'ireo fahavaloko aho?' Na hoe: 'Afaho amin'ny tanan'ireo mpampahory ahy aho?' 24 Ampianaro aho, dia ho tazoniko ny fahanginako; ataovy izay hahatakarako hoe taiza no nahadiso ahy. 25 Endrey ny hararin'ny teny marina! Kanefa ny fandresen-dahatrareo, ahoana ny tena hananaran'ireo ahy? 26 Mikasa ny hanao tsinontsinona ny teniko ve ianareo, manao ny tenin'ny olona mamoy fo ho toy ny rivotra? 27 Eny tokoa, miloka ny zaza kamboty ray ianareo, ary miady varotra amin'ny namanareo toy ny entam-barotra. 28 Koa ankehitriny, mba jereo re aho, fa tena tsy mba handainga eo anatrehan'ny tavanareo aho. 29 Mitsahara, mitalaho aminareo aho; aoka tsy hisy tsy fahamarinana eo aminareo; eny tokoa, mitsahara, fa marina ny adiko. 30 Misy faharatsiana ve eo amin'ny lelako? Tsy afaka mamantatra ny zava-dratsy ve ny vavako?
Eto ny mpanoratra dia mampiasafanambarana roa mba hampitana hevitra iray, ny vesatry ny fahorian'i Joba.
"teo ambony fandanjana"
Mampitaha ny vesatry ny fahoriany amin'ny lanjan'ny fasi-dranomasina i Joba; ireo izay samy afaka mamotika olona. "Ny vesatry ny fangirifiriako sy ny lozako dia mbola maivana noho ny fasika eny amoron-dranomasina."
Manohy mampiasa fampitoviana isaky ny andininy ny mpanoratra, mampita hevitra iray amin’ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana ny fahoriana mafin' i Joba ho toy fototry ny fitarainany.
Io dia fanoharana ho ny fahorian'i Joba. Mampitaha ireo lozany amin'ny zana-tsipìka izay manindrona ny vatany.
Mitohy ny fampitahana. Niditra tamin'i Joba tamin'ny fony ny fahoriana. DH: "tena tsapako ao amin'ny foko ny fanaintainana."
DH: "ireo zava-mahatsiravina rehetra mitranga dia avy hanohitra ahy ao anatin'ny indray mandeha."
Mametraka ireo fanontaniana ireo i Joba mba hanamafisana fa manana ny rariny amin'ny fitarainana izy. DH: "Tokony hitaraina ve aho raha toa ka rariny avoko ny zavatra rehetra?" na "tsy tokony hitaraina tsy amin'antony aho."
feo avoakan'ny amondra
feo avokan'ny omby
sakafom-biby
Na ny sakafo na ny zava-mitranga amin'ny fiainan'i Joba dia manaintaina. Mampitaha ny fiainany amin'ny sakafo tsy misy tsirony na hanitra i Joba. "Tsy misy tsirony ny fiainako; tahaka ny tapotsin'atody tsy misy tsirony izany."
"tsy afaka hihinana sakafo ratsy tsiro tsy misy sira ny olona iray."
Manohy mampiasa fampitoviana isaky ny andininy ny mpanoratra, mampita hevitra iray amin’ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana ny fahoriana mafin'i Joba sy ny faniriany ho faty.
"ireo" dia manondro ireo sakafo ratsy tsiro. Joba eto dia manohy mampiasa hevitry ny hoe sakafo ratsy mba ho fanoharana ny zava-misy maharikoriko azy
DH: "Eh, hanao izay efa nangatahiko azy mba hataony anie ny tompo"
DH: "tsy hihambahamba anie ny Tompo ary hanorotoro ahy"
DH: "hiasa faingana anie Izy ka hanafohy ny andro iainako"
hiasa faingana
"Aoka ho fampiononana ho ahy anie izany" na "hitondra fiononana ho ahy anie izany"
"handia hafaliana ao anaty fanaintainana tsy manam-piafarana aho" na "hiaritra ny fanaintainana izay misy fihenana aho"
"haravoana"
"tsy miha-maivana"
"fa tsy nandà an'Andriamanitra aho"
Mametraka ireo fanontaniana ireo i Joba mba hanamafisana fa tsy misy fotony ho azy ny mbola ho velona. DH: "Ary inona intsony no mbola hiainako sy mbola hirosoako?" na "tsy manana hery enti-miaina aho; tsy misy antony tokony hiaretako"
Mampiasa fanontaniana fampisainana mitovy isaky ny andininy ny mpanoratra, mampita hevitra iray amin’ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana ny tsy fahampian-kerin'i Joba ny hiaritra fahoriana.
mitaratra ny fahalemen'ny vatany amin'ny sarotra, fitaovana mafy orina mba hanamafisana ny fahampian-keriny. DH: "Tsy mafy tahaka ny vato aho. Tsy vita tamin'ny vy ny vatako."
DH: " Marina fa tsy manana ambin-kery...tamiko."
"efa nesorina tamiko ny fahombiazako" na "efa nesorina tamiko ny hery anaty" DH: "Lasa ny hery anatiko."
"tokony ho tsara fanahy amin'ny olona mahatsapa tsy misy fanantenana ny namana"
"na dia mitsahatra manome voninahitra ny Andriamanitra tsitoha aza izy" (UDB) Ireo mety ho heviny dia 1) ny olona tsy matahotra an'Andriamanitra na 2) Tsy matahotra an'Andriamanitra ny namany
Mamaritra ireo namany ho toy ny renirano kely izay mety ritra tampoka sy tsy azo ianteherana i Joba.
"tahaka ny korian-drano izay ritra"
"izay maizina tahaka ny ranomandry"
"ary ny oram-panala miafina ao amin'izy ireo" na "manjavona ao amin'izy ireo ny oram-panala"
"rehefa mafana ireo, dia manjavona"
"maina ireo rehefa mafana"
Manohy ny famariparitany ireo namana ho toy tsy azo antoko tahaka ny korian-drano izay maina. DH: "Niova tany amin'ny fitadiavan-drano ny lalan'ireo mpandeha"
Io andian-teny io dia azo adika hoe "ny lalan'ireo rodobe" na "ny lalan'ireo mpandeha" na "ireo mpandeha."
"mandeha na'aiza n'aiza ireo ary maty"
Io dia anaran-toerana. Ny mponina ao amin'izany toerana izany dia mpanao rodobe mba hivarotra amin'ireo mponina avy amin'ny tany hafa.
"raha nanantena azy ireo ny mpandeha avy any Sheba"
Io dia anaran-toerana. Ny olona ao amin'izany toerana izany dia mpanao rodobe mba hivarotra zavatra amin'ireo olona avy any amin'ny tany hafa.
"nametraka ny fanantenany tamin'izy ireo" na "nanatena azy ireo"
"voafitaka izy ireo satria natoky fa hahita rano"
DH: "kanefa diso fanantenana izy ireo " na "kanefa tsy afa-po izy ireo"
Ato amin'ireto andininy ireto, mametraka fanontaniana efatra i Joba mba hitenenany mafy ireo namany sy mba hanamafisany fa tsy nila fanampiana tamin'izy ireo izy.
Mampiasa io andian-teny io i Joba mba hampidirany ny vontoatin'ny zavatra lazainy.
"tsy toy ny hoe namako ny fihetsikareo"
"ary matahotra ianareo fa hanao zavatra toy izao aminareo Andriamanitra." (UDB) Ny UDB dia manazava ireo fampahafantarana fa ireo namany dia matahotra ny hanasazin'Andriamanitra azy ireo.
DH: "tsy nangataka zavatra taminareo aho."
DH: "Tsy nangataka vola taminareo aho." na "tsy niangavy anareo mba hanome avy amin'ny fananareo ho ao amin'ny kaontiko aho."
"Ny tanan'ny fahavaloko" dia sarin-teny dia maneho tanjaky ny olona izay manohitra mafy an'i Joba. DH: "Tsy mbola niteny na ny iray taminareo mba hamonjy ahy amin'ireo fahavaloko aho"
"Ny tanan'ireo mpampahory" dia sarin-teny izay midika ho tanjaky ny olona izay nampijaly an'i Joba. DH: "tsy niteny anareo mba hanavotra ahy eo an-tanan'ireo ireo izay nampijaly ahy aho."
"Avoty aho"
Avy amin'ny matoanteny hoe"mampianatra"
"ary hangina aho"
DH: "ataovy azoko"
Mifanohitra io andian-teny io amin'ny ULB sy ny UDB. Satria ireo mety ho heviny diaamin'ny Hebreo dia 1) Ny teny marina dia maharary ny fandrenesana azy 2) Ny tenin'ny olo-marina dia maharary ny fandrenesana azy.
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hitenenany mafy ireo namany sy mba hanamafisany fa tsy mihatra aminy ireo voalazan'izy ireo. DH: "Tsy mihatra amiko ny fihevitrareo eny na dia mananatra ahy mafy aza ianareo."
"ny hevitrareo" na "ny tianareo hitongavana"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hibedesana ireo namany. DH: "manao tsinontsinona ny teniko ianareo, ary mihevitra ny teniko ho zava-poana."
Mampitaha ny teny tsy misy fanantenan'ny olona mamoy fo ny amin'ny fanampiana amin'ny rivo-poana i Joba; samy tsy misy dikana.
"Miady mafy ianao mba hahazo ny zaza kamboty ray"
"ary mihady lavaka ho an'ny namanareo"
Ampiasain'i Joba io teny io mba hampidirany fampahafantarana vaovao.
Avy amin'ny matoanteny "mijery"
"-nareo" dia maneho maro
"mamindrà re fo amiko" na "miverena re"
"ento araka ny rariny aho"
"Ovay indray ny fitondranareo ahy; marina aho tamin'ity" na "Ovay ny fandraisanareo ahy; mbola marina ihany aho tamin'ity"
"Miteny zava-dratsy ve aho?" Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hitenenana mafy ireo namany sy mba hanamafisany fa tsy ratsy fanahy izy. DH: "Tsy niteny zavatra ratsy aho."
Ny lela dia tsy misy faharatsiana mivantana izany, fa io sarin-teny enti-mamaritra ny teny ratsy.
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hitenenany mafy ireo namany sy mba hanamafisany fa mahalala ny fahasamihafana eo amin'ny marina sy ny diso izy. DH: "Mahalala ny fahasamihafana eo amin'ny tsara sy ny ratsy aho."
1 Moa ve ny olona tsy manana asa mafy eto an-tany? Moa ve ny androny tsy mitovy amin'ny andron'ny lehilahy iray nokaramaina? 2 Toy ny andevo iray maniry fatratra ny aloky ny hariva, toy ny lehilahy iray mitady ny karamany— 3 koa dia natao mba hiaritra ny volan'ny fahoriana aho; efa nomena alina feno fikorontanana aho. 4 Rehefa mandry aho, dia milaza amin'ny tenako hoe: 'Rahoviana aho no hifoha ary rahoviana ny alina no ho lasa?' Nivadibadika ambony ambany aho mandra-parainan'ny andro. 5 Nitafy kankana sy baingan-tany ny nofoko; maina ny fery tamin'ny hoditro ary avy eo dia afaka ary miverina indray. 6 Haingam-pandeha noho ny famahanan-tenona ny androko; mandalo tsy misy fanantenana ireo. 7 Ry Andriamanitra, tsarovy fa ny fiainako dia fofonaina iray ihany; tsy hahita soa intsony ny masoko. 8 Ny mason'Andriamanitra, izay mahita ahy, dia tsy hahita ahy intsony; ny mason'Andriamanitra dia ho eo amiko, saingy tsy hisy aho. 9 Tahaka ny rahona levona sy mihelina, dia toy izany koa no tsy hiakaran'izay midina any amin'ny Fiainan-tsy hita intsony. 10 Tsy hiverina any an-tranony intsony izy; na ny fonenany aza tsy hahalala azy intsony. 11 Noho izany tsy hanakombona ny vavako aho; fa hiteny amin'ny fangirifirian'ny fanahiko; hitaraina amin'ny fangidian'ny fanahiko aho. 12 Moa ve ranomasina aho na biby masiaka an-dranomasina no asinao fiambenana eo amiko? 13 Rehefa milaza aho hoe: 'Hampionona ahy ny farafarako, ary ny fandriako hampitony ny fitarainako,' 14 dia mampatahotra ahy amin'ny nofy sy mampihorohoro ahy amin'ny alalan'ny fahitana Ianao, 15 mba hisafidianako ny fanakendana sy ny fahafatesana toy izay miaro ireto taolako ireto. 16 Halako ny fiainako; tsy maniry ny ho velona lalandava aho; avelao irery aho fa tsy misy dikany ny androko. 17 Inona moa ny olona no tokony hiahianao, no tokony ho rarahianao, 18 no tokony ho dinihanao isa-maraina sy tsapainao amin'ny fotoana rehetra? 19 Mandra-pahoviana izany mialohan'ny hialanao amiko, mialohan'ny hamelanao ahy irery ampy hitelomako ny iviko? 20 Na dia nanota aza aho, dia ho inonao moa izany, Ianao izay mandinika ny olona? Nahoana Ianao no nikendry ahy, mba ho enta-mavesatra ho anao? 21 Nahoana Ianao no tsy mamela ny hadisoako sy manala ny heloko? Fa ankehitriny aho dia handry amin'ny vovoka; hitady ahy fatratra Ianao, fa tsy hisy aho."
Manohy mampiasa fampitoviana isaky ny andininy ny mpanoratra, mampita hevitra iray amin’ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana fa ny fahorian'ny tenany manokana dia anisan'ny fahoriana izay iainan'ny olona rehetra ihany.
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisana ny fahafantarany fa ny olona rehetra dia miaina fahoriana. DH: "Moa ve tsy manana asa mafy avokoa ny rehetra eto an-tany" na "Samy manana asa mafy ny rehetra"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisana ny fahafantarany fa samy mitolona amin'ny fiainana ny olona rehatra. DH : "ary ny androny dia tahaka ny andron'ny olona mpikarama."
Mampitaha ny tenany amin'ireo izay miasa mafy tsy misy fanohanana (andininy faha 3)
"alokaloka"
Io dia lehilahy izay miasa iray andro ary homena karama isaky ny firavana. "indray andron'ny mpiasa"
"koa miaritra ny volan'ny mosary sy ny alina feno fikorontanana aho"
"volana feno loza" na "volana foana"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisany ny fahoriana mafiny madritra ny ora tokony hatoriany. DH: "Tiako raha mba afaka mifoha aho, kanefa mitohy ny alina."
Io dia manondro fa manakisaka tsy mitsahatra ny fandriany mandritra ny alina i Joba. "koa dia reraka ny mivadibadika tsy misy fitsaharana aho."
vongan-tany
Manohy mampiasa fampitoviana isaky ny andininy ny mpanoratra, mampita hevitra iray amin’ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana ny fahatsapan'i Joba ny fahafoizan'ny fiainana.
"mihazakazaka ny fiainako"
olona mpanao lamba amin'ny alalanny fandrariana kofehy na taretra
faritra haingam-piodina na mihetsika amin'ny milina na fitaovana amin'ny fanamboarana lamba
"tonga amin'ny fiarana izy ireo izay tsy tamim-panantenana tokoa
Nampiana ny teny hoe "Andriamanitra" io andian-teny io satria ny olona raha mahare ny hoe "tsarovy" dia mety hihevitra hoe Andriamanitra no tiana ho lazaina.
Ao antin'io sarin-teny io, mampitaha ny fahafohizan'ny fiainany amin'ny fahafohizan'ny fofonaina. "Tena fohy tahaka ny fofonaina indray mandeha ny fiainako"
"Tsy hiaina fifaliana intsony aho."
Manohy mampiasa fampitoviana isaky ny andininy ny mpanoratra, mampita hevitra iray amin’ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana ny eritreritr'i Joba fa aorian'ny fahafatesany, dia tsy hahita azy intsony na Andriamanitra na ireo olona fantany.
Nampiana ny teny hoe "Andriamanitra" io andian-teny io satria io dia mifono ny firesahan'i Joba amin'Andriamanitra. "Tsy hahita ahy intsony ny maso izay mahita ahy."
"Hijery ahy ny masonao, kanefa tsy hisy akory aho.
Mamaritra ny fahafatesana amin'ny teny hoe rahona mihelina i Joba. "Tahaka ny fihelin'ny rahona no fanjavonan'ny maty" na "Raha vantany ao am-pasana ianao dia tsy afa-miarina."
"Tahaka ny rahona misinda"
Mampita hevitra iray amin'ny alalan'ny fampiasana fanambarana samihafa i Joba mba hnamafisany ny antony tsy hanginany.
"tsy hitsahatra hiteny aho"
"ny fijalian'ny fanahiko" na "ny fahorian'ny fanahiko"
"ny fahasosoran'ny fanahiko"
Mametraka io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny fahatezerany amin' Andriamanitra. Amin'ny fampitahany ny tenany amin'ny ranomasina na biby masiaka an-dranomasina no hanehoan'i Joba fa mihevitra azy ho zava-boaary ratsy tarehy Andriamanitra. "Tsy ranomasina na biby masiaka an-dranomasina aho ka ilàna mpiambina hiambina izany."
Manohy mampiasa fampitoviana amin'ny andininy roa voalohany ny mpanoratra, mampita hevitra iray amin’ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana ny fahoriana mafin'i Joba.
Ny "farafara" sy ny "fandriana" eto dia sarin-teny enti-milaza ny hoe "matory". Eo am-pitsorana matory ho hanantenan'i Joba fiononana. Ilay sarin-teny ihany koa dia manana toetran'olombelona; mahay mampahery sy mampitony olona.
"ianao" dia manondro an'Andriamanitra izay hanaovan'i Joba ny fitarainany.
mamono olona amin'ny alalan'ny fanerena tenda sy fampitsaharana azy tsy hiaina
Mampiasa ny teny hoe "taolana" i Joba eto mba hanondroana ny tenany. DH: "Ity vatako ity"
Manohy mampiasa fampitoviana ato amin'ireto andininy ireto ny mpanoratra, mampita hevitra iray amin’ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana ny akon'ny fahoriany amin'ny fahamendrehan-tenany.
"tsinontsinoaviko ny fiainako aho"
"hiaina mandrakizay"
"tsy misy fotony ny androko" na "tsy misy lanjany ny androko"
"no tokony harahinao maso izy"
"no tokony hiahy azy ianao"
"no tokony hanara-maso azy fatratra ianao"
Mampita hevitra amin'ny fampiasana fanontaniana fampisainana samihafa i Joba eto mba hanamafisana ny faniriany fa hitsahatra hiambina azy Andriamanitra. "
Mametraka io fanontaniana io iu Joba mba hitenenana mafy an'Andriamanitra. "Eny fa na dia efa nanota aza aho, dia tsy hisy dikany aminao izany, Ianao izay mijery ny olona."
"Nahoana no izaho no nokendrenao...anao?"
Eto i Joba dia mampiasa fepetra roa samihafa miaraka amina fanontaniana fampisainana mba hanamafisana ny faniriany ny hamelan'Andriamanitra azy. Mametraka io fanontaniana io izy mba hitenenana mafy an'Andriamanitra ny amin'ny fampaahoriana azy. DH: "Mamelà ny hadisoako ary fafao ny heloko."
"Nahoana no tsy navela ny heloko"
"mamafa"
Io andian-teny io "mandry amin'ny vovoka" dia fomba malefaka na mihaja entina miteny ny hoe "maty." "Ho faty aho ankehitriny"
1 Dia namaly Bildada ilay Sohita ka niteny hoe: 2 "Mandra-pahoviana no hiteny ireo zavatra ireo ianao? Mandra-pahoviana ny teny aloaky ny molotrao no ho lasa rivotra mahery? 3 Mamadika ny rariny ve Andriamanitra? Mamadika ny fahamarinana ve ny Tsitoha? 4 Efa nanota taminy ny zanakao; fantatsika izany, fa nomeny teo an-tanan'ny fahotany izy ireo. 5 Hevero fa nitady an'Andriamanitra mafy ianao ary nampiseho ny fangatahanao tamin'ilay Tsitoha. 6 Raha madio sy mahitsy ianao, dia azo antoka fa hiambina anao Izy ary hamerina anao eo amin'ny toeran'ny fahamarinanao. 7 Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao. 8 Anontanio re ireo taranaka teo aloha, ary fantaro izay nianaran'ny razambenao. 9 (Fa isika dia vao teraka omaly ary tsy mahalala na inona na inona satria aloka ny androntsika ety an-tany). 10 Tsy hampianatra anao ve izy ireo ka hilaza aminao? Tsy hiteny ireo teny avy ao am-pony ve izy ireo? 11 Afaka mitombo ve ny zozoro raha tsy misy ketsaketsa? Afaka mitombo ve ny volotara raha tsy misy rano? 12 Raha mbola maitso sy tsy voakapa izy ireo, dia malazo alohan'ny zava-maniry hafa. 13 Toy izany koa ny lalan'ireo rehetra izay manadino an'Andriamanitra, ho levona ny fanantenan'ny mpaniratsira. 14 Hiala ny tokiny, ary ny fahatokiany dia marefo toy ny tranon-kala. 15 Hitehina amin'ny tranony izy, fa tsy hanohana azy izany; hihazona izany izy, nefa tsy hahazaka izany. 16 Eo ambanin'ny masoandro dia maitso izy, ary ny sampany mivoaka eo amin'ny zaridainany manontolo. 17 Ny fakany dia voafono korotam-bato; mitady toerana tsara eo amin'ny vato izy ireo. 18 Fa raha nopotehina hiala amin'ny toerany izany olona izany, dia handà azy izany toerana izany ka hiteny hoe: 'Tsy mbola nahita anao mihitsy aho.' 19 Indro, izany ny "fifalian'ny" fitondran-tenan'ny olona toy izany; ary hisy zava-maniry hafa hitsimoka eo amin'ny nofon-tany mitovy eo amin'ny toerany. 20 Indro, Andriamanitra tsy hanary lehilahy iray tsy manan-tsiny; na hitantana ny tanan'ny mpanao ratsy 21 Mbola ho fenoiny fiomehezana ihany ny vavanao, sy fihobiana ny molotrao. 22 Ireo izay mankahala anao dia hitafy henatra; ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy."
Isaky ny andininy amin'ny teniny dia mampita hevitra iray amin'ny fanambarana roa samihafa i Biladada, voalohany mba hitenenana mafy an'i Joba sy ary eo hiarovana an'Andriamanitra.
" Bildada" dia anaran-dehilahy izay isan'ny fokon'i Sohia.
Mametraka io fanontaniana io i Bildada mba hitenenana mafy an'i Joba amin'ny fitarainany amin'Andriamanitra. Amin'io sarin-teny io, Ny tenin'i Joba sy ny rivotra dia samy zava-poana sy malemy. DH: "Ireo tenin'ny vavanao dia rivo-mahery."
Eto dia mpanoratra dia mampiasa fanontaniana fampisainana mitovy, izay apetrak'i Bildada mba hitenenana mafy an'i Joba. DH: "Tsy manao zavatra tsy ara-drariny Andriamanitra; mahomby amin'ny fanaovana ny rariny ny Tsitoha."
"satria namela ny herin'ny fahotana mba hifehy azy ireo" na "nanasazy azy ireo tamin'ny alalan'ny vokatry ny fahotan'izy ireo izy."
Ireo andian-teny ireo dia samy manondro ny fangatahan'i Joba fanampiana amin'Andriamanitra, na ny fitalahoana famindram-po amin'Andriamanitra.
"Mangataka famindram-po amin-kafanam-po amin'Andriamanitra"
"Raha mba nadio sy nahitsy mantsy ianao" na "raha mba marina manko ny fonao sy ny asanao"
"Na dia tsy nanan-karena aza ianao taloha, tamin'ny adrom-piainanao efa lasa, dia ho mpanan-karembe ianao."
Manohy mampiasa fampitoviana isaky ny andininy ny mpanoratra, mampita hevitra iray amin’ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana ny fahaizan'ny olona mandray lesona avy amin'ireo razambeny, nomena fehim-piainana sy ny fahavononan'ireo razambe hizara fianarana.
"hianaro tsara izay zavatra itan'ireo razambenao" na "hevero izay nianaran'ireo razambenao"
Ao amin'io fanoharana dia ampitahaina amin'ny aloka ny fiainana; izay samy mandalo miserana.
Mametraka io fanontaniana io i Bildada mba hitenenana mafy an'i Joba. DH: "Hampianatra sy hiteny anao izy ireo, ary avy amin'ny fahazavan-tsain'izy ireo no hitondrana teny mivoaka."
Mametraka io fanontaniana fampisainana roa i Bildada mba hanamafisana ny tiany holazaina ao amin'ny 8:8 . Mila ny fampianaran'ireo razambeny ny olona. DH: "Tsy afa-mitombo tsy misy ketsaketsa ny zozoro." Tsy afaka mitombo tsy misy rano ny volotara."
"maina"
Ity andininy ity dia manohy ny tenin'i Bildada. Ao amin'ny andininy 14-15, ny mpanoratra dia mampiasa fampitoviana, mampita hevitra iray amin'ny alalan'ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana ny fahapotehan'ireo izay tsy naorina ny fiainany tamin'ny fampianaran'ireo razambeny.
"mandeha an-dalana" dia fomba fiteny iraisana izay manondro ny fiainan'ny olona sy ny tari-dalany. Matetika io no manondro raha manaraka ny lalan'Andriamanitra na ny an'ny tenany.
Eto i Bildada dia mapitaha ny fiainan'ireo tsy manana an'Andriamanitra amin'ny tranon-kala; ny hery kely indrindra dia ho foana.
"hiezaka ny hanohana izany izy"
Ao ami n'ny andininy faha 16-17, dia manohy mampiasa fampitoviana ny mpanoratra, mampita hevitra iray amin'ny alalan'ny fanambarana roa samihafa mba hakana sary an-tsaina ny vatoina, fananganana vonjimaikan'ny tsy manana an'Andriamanitra.
Eto i Bildada dia mampitaha ny tsy manana an'Andriamanitra amin'ny zava-maniry izay mamelana amin'ny antoandro; izay samy velona, vaovao, ary salama.
Ny fakan'ny olona tsy manana an'Andriamanitra dia tsy mifikitra amin'ny tany lonaka fa amin'ny vato. Ny tany vatoina dia tsy afaka manampy ny zava-maniry amin'ny fitomboana. Ny fakan'izany olona izany dia ho faty tsy ho ela. "Hifikitra amin'ny tany vatoina ny fakany."
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ny faka'ireo olona tsy manana an'Andriamanitra. "mitady tany lonaka amin'ny haram-bato izy ireo" or "mitady nofon-tany amin'ny haram-bato izi ireo"
Ny olona tsy manana an'Andriamanitra dia ampitahaina amin'ny zava-maniry izay, tsy tsaroana intsony rehefa afindra avy amin'ny haram-bato ho amin'ny tany lonaka satria tsy afaka mamelana amin'ny toerana lonaka izany. "Raha voaongotra amin'ny toerany izy, dia handà azy izy ka hanao hoe: 'tsy mbola nahita anao mihitsy aho.'"
Ny fahafahan'ny olombelona mandà sy miteny dia ampiharina aminy tany vatoina.
"ilay tany vatoina"
ny valisoa, ny vokatry fitondrantena ratsin'ny olona izay tononiny an'eso amin'ny hoe "fifaliana"
"fihetsika" na "fomba fiainana"
Manohy ny fanoharana tao amin'ny 8:16 ny mpanoratra eto. Ny olona tsy manana an'Andriamanitra dia ampitahaina amin'ny zava-maniry izay mandray ny toeran'ilay voalohany izay teo amin'ny haram-bato. DH: "Rehefa maty ny olona ratsy fanahy iray dia misy hafa mandray ny toerany" na "avy amin'ilay nofon-tany no hitomboan'ilay iray hafa."
"maniry"
"ilay tany vatoina"
"amin'ny toeran'ilay olona tsy manana an'Andriamanitra"
"Tanana" dia mampiseho ny olona rehetra. "tsy hanohana ny mpanao ratsy izy" na "tsy hanohana ny mpanao ratsy izy"
Manohy ny firesahana amin'i Joba. Ny teny hoe "izy" dia manondro an'Andriamanitra, ary "ianao" dia manondro an'i Joba. Mampita hevitra iray amin'ny alalan'ny fanambarana samihafa ny mpanoratra mba hampitana ny fifaliana izay hiainan'i Joba. "Hampifaly anao indray Andriamanitra."
Ny dika fenon'io andian-teny io dia fantatra any am-piandohan'ny fehezan-teny. "Hameno fifaliana ny molotrao amin'ny hiakam-pifaliana Andriamanitra."
"Ho feno henatra ny tsy manana an'Andriamanitra; ho tapi-pisiana ny ratsy fanahy."
"Tsy haharitra" na "ho foana"
1 Ary dia namaly Joba ka niteny hoe: 2 "Fantatro marina fa izany tokoa no izy. Fa ahoana no ahafahan'ny olona iray ho marina amin'Andriamanitra? 3 Raha te-hiady hevitra amin'Andriamanitra izy, tsy afaka hamaly Azy indray mandeha amin'ny arivo izy. 4 Andriamanitra dia hendry am-po ary matanjaka amin'ny heriny; iza no efa nanamafy ny tenany hanohitra Azy ka nahomby? — 5 Izy izay mamindra ny tendrombohitra ka tsy mampitandrina na iza na iza rehefa mamadika ireo amin'ny fahatezerany Izy— 6 Izy izay manozongozona ny tany hiala eo amin'ny toerany ary mampihovitrovitra ny andriny. 7 Izany Andriamanitra izany ihany no miteny ny masoandro tsy hiposaka, ary tsy miposaka izany, ary ilay manarona ireo kintana, 8 izay Izy tenany no mamelatra ny lanitra ary manosiosy ny onjan-dranomasina, 9 izay manao ny Bera, Telonohorefy, Ikotokelimiadilaona, ary ireo kintana any Atsimo. 10 Izany Andriamanitra izany ihany no manao zavatra lehibe, zavatra tsy takatry ny saina—zava-mahagaga tsy hita isa. 11 Indro, mandeha eto anilako Izy, nefa tsy hitako; mandalo ihany koa Izy, nefa tsy fantatro. 12 Raha manaisotra zavatra Izy, iza no hahasakana Azy? Iza no afaka hiteny aminy hoe: 'Inona ity ataonao?' 13 Andriamanitra tsy hanala ny fahatezarany; ireo mpanampy an-dRahaba aza miondrika eo ambaniny. 14 Koa mainka fa ahoana no hahafahako mamaly azy, hahafahako misafidy teny halahatra aminy? 15 Na dia marina aza aho, dia tsy afaka ny hamaly azy; mitalaho famindram-po amin'ny mpitsarako ihany no azoko atao. 16 Na dia niantso aza aho ary namaly ahy Izy, tsy nino aho hoe nihaino ny feoko Izy. 17 Satria mandrava ahy amin'ny tafio-drivotra ary manamaro ny feriko amin'ny tsy misy antony Izy. 18 Tsy mamela ahy hiaina akory Izy; fa kosa, fenoiny zava-mangidy aho. 19 Raha resaka tanjaka, indro!, mahery Izy! Raha resaka fitsaràna iza no afaka hampiantso Azy? 20 Na dia amin'ny marina aza aho, ny vavako ihany no hiampanga ahy; ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, ireo teniko hanaporofo ahy fa meloka aho. 21 Tsy manan-tsiny aho, kanefa tsy rarahiako intsony ny momba tenako; ataoko tsinontsinona ny fiainako. 22 Tsy manova zavatra izany, ka izany no itenenako hoe haringany miaraka ny olona tsy misy tsiny sy ny olona ratsy fanahy. 23 Raha hamono tampoka ny areti-mandringana, dia hihomehy ny amin'ny fahorian'ny olona tsy manan-tsiny Izy. 24 Nomena teo an-tanan'ny olona ratsy fanahy ny tany; Andriamanitra manarona ireo tavan'ny mpitsara izany. Fa raha tsy Izy no manao izany, dia iza ary? 25 Ny androko dia haingam-pandeha noho ny mpitondra hafatra mihazakazaka; ny androko dia mihelina; ka tsy misy tsara hitan'ireo na aiza na aiza. 26 Haingam-pandeha tahaka ny lakan-jozoro ireny, ary haingam-pandeha tahaka ny voromahery mipaoka ny hazany. 27 Raha niteny aho hoe hanadino ireo fitarainako aho, hanala ny endrika malaheloko aho ka ho faly, 28 dia hatahotra ny alaheloko rehetra aho satria fantatro fa tsy hihevitra ahy ho tsy manan-tsiny Ianao. 29 Ho melohina aho; ka nahoana ary aho no tokony hiezaka tsy amin'ny antony? 30 Raha nanasa ny tenako tamin'ny ranon'oram-panala aho ary nanao ny tanako madio tsy nisy toy izany, 31 dia handroboka ahy any an-kady Andriamanitra, ary ny ankanjoko dia ho rikoriko ny amiko. 32 Fa tsy olona tahaka ahy Andriamanitra, ka afaka hamaly Azy aho, ka hiaraka tonga eo amin'ny fitsaràna izahay. 33 Tsy misy mpitsara eo anelanelanay mba hametraka ny tanany aminay roa. 34 Tsy misy mpitsara hafa afaka manala ny tsorakazon'Andriamanitra amiko, izay afaka mitazona ny horohorony tsy hampatahotra ahy. 35 Dia hiteny mafy aho ary tsy hatahotra Azy. Kanefa amin'izao zava-misy izao, dia tsy afaka hanao izany aho.
"Fantatro fa marina ny teninao"
Eto, ny teny hoe "izany" dia manondro ny tenin'i Bildada.
"ahoana no tsy hanan-tsiny eo anatrehan'Andriamanitra?"
"mifaditra"
"Indray mandeha amin'ny arivo" dia fomba fiteny izay midika hoe "mihintsy." Ireo mety ho heviny dia 1) "Tsy afaka mamaly an'Andriamanitra izy" 2) "Tsy mamaly azy mihitsy Andriamanitra"
"1000"
Ny fo eto dia mampiseho ny anaty na eritreritra. DH: "hendry amin'ny fanapaha-keviny"
Ny anarana hoe "tanjaka" dia azo aseho toy ny mpamari-toetra "matanjaka." DH: "Mahery amin'ny fatanjahany"
Io dia fanontaniana fampisainana izay mitaky valim-panontaniana "tsy misy." Azo atao ho toy fanambarana io. DH: "tsy mbolo nisy nanamafy ny tenany hanohitra azy ka nahomby."
Manamafy tena dia midika ho mafy hatoka. DH: "manohitra azy" na "mihantsy azy"
"Mamindra tendrombohitra Andriamanitra"
Io anarana "fahatezerana" io dia afaka aseho ho mpamari-toetra "tezitra." DH: "satria tezitra izy"
"manozongozona ny tany Andriamanitra"
"mampihovitrovitra ny fotony"
"manakana ny kintana tsy ho hita"
Lazaina ho mpamorona ny lanitra tsy mila fanampiana Andriamanitra, toy ny hoe vita ny lanitra izay novelariny.
Lazaina ho mpampitony ny ranomasina toy ny hoe amin'ny tongony. DH: "Mametraka ny tongony amin'ny onjan-dranomasina" na "mampitony ny onjan-dranomasina"
Ireo dia manondro kintana, izay vondrona kintana izay toa manome endrika miavaka eny amin'ny habakabaka.
mpihaza malaza amin'ny angano Grika
kintana maro manjelatra izay mifanakaiky eny amin'ny habakabaka
vondron-kintana izay toa manome endrika miavaka eny amin'ny habakabaka
Mampiasa fampitoviana isaky ny andininy ny mpanoratra, mampita hevitra iray amin’ny fanambarana roa samihafa mba hanamafisana fa Andriamanitra dia lehibe, tsy hita maso, ary andriana.
"zavatra saro-tadiavina" na "zavatra izay tsy mety takatra na azo"
"izay tsy azo isaina"
"jereo" na "mihainao"
"mandalo" na "miserana"
Ireo dia fanontaniana fampisainana izay mitaky valin-teny "tsy minsy." Azo atao ho fanambarana ireo. DH: "Raha manaisotra zavatra izy, dia tsy misy mahasakana azy. Tsy misy afaka manontany azy hoe: 'Inona ity ataonao?'"
"Raha manaisotra olona izy" na "Raha te handrombaka zavatra izy"
Eto "miondrika eo ambaniny" dia manamarika "fiaikena" na "faresena". DH: "potehiny mpanampin-dRahaba izy"
Ny teny hoe "Rahaba" eto dia manondro biby masiaka anaty ranomasina.
Mametraka fanotaniana roa mitovy i Joba mba hanamafisana ny fisalasalany ny hanohitra an'Andriamanitra. Azo atao ho fanambarana ireo. DH: "Koa tsy afaka ny hamaly azy mihitsy aho na hisafidy teny handresen-dahatra azy."
Mampitaha ny loza avy amin'Andriamanitra sy ny vokatry ny tafio-drivotra i Joba. DH: "Mandratra ahy toy ny amin'ny tafio-drivotra Izy."
rivotra mifofofofo sy mahery
"manome fery maro ahy" na "mandratra ahy hatrany hatrany"
"eny na dia tsy nampanaoviko izany aza izy" na "eny dia tsy manan-tsiny aza aho"
Ity andininy ity dia maneho toy ny hoe mameno zavatra mangidy ny fiainan'i Joba Andriamanitra. Ny anarana "fangidiana" dia azo atao mpamari-toetra "mangidy." DH: "mameno zava-mangidy ahy izy"
"raha misy fifaninana ara-tanjaka"
"jereo" na "henoy izay holazaiko aminao"
"izy ilay matanjaka"
Io fanontaniana io dia valin-teny "tsy misy" mba hilazana fa ntsy misy afaka mitondra an'Andriamanitra ho tsaraina. Azo atao ho fanambarana ihany koa io. DH: "tsy misy afaka hampiantso azy."
Eto, "amin'ny marina aho" dia midika hoe izaho ilay tokana nanao ny zava-marina . DH: "na dia nanao zava-marina aza aho" na "eny na dia tsy manan-tsiny aza aho"
Io andininy io dia maneho hevitra iray miverina indro mba ho fanamafisana.
Eto, ny "vava" dia mampiseho ny tenin'i Joba. DH: "ny teniko ihany dia mety hiampanga ahy" na "izay mazaiko dia mety hanameloka ahy"
"tsy misy hadisoana"
Ny "teniko" eto dia resahina toy ny hoe afaka mandray anjara. DH: "Hampiasain'Andriamanitra izay lazaiko mba hanaporofoana fa meloka aho"
Ny teny eto dia manana dika hoe "ratsy fanahy" na "meloka"
"tsy manam-pahadisoana aho"
"ny zava-mitranga amiko"
"mitovy ihany" na "tsy mampaninona"
"faranany avokoa ny rehetra, na ny tsy manan-tsiny na ny ratsy fanahy"
"raha mamely olona tampoka ny loza"
Ny anarana "faoriana" dia azo atao ho matoanteny "ory." DH: "rehefa ampahoriana ireo olonatsy manan-tsiny"
"Nomen'Andriamanitra ny tany"
Eto, ny "tany" dia ampiasaina mba hanehoana ny olona ambonin'ny tany. DH: "Ny olon'ny tany"
Eto, ny "tanana" dia sarin-tenin'ny "mifehy." DH: "eo amin'ny fifehezan'ny"
Io fomba fiteny io dia midika fa Andriamanitra dia manala ireo mpitsaran'ny tany tsy ho afaka mitsara ny fahasamihafana eo aùmin'ny tsara sy ratsy. DH: "manajamba ny mpitsaran'izany Andriamanitra" na "Manala ny mpitsaran'izany amin'ny fitsarana marina Andriamanitra"
"fa raha tsy Andriamanitra no manao ireo zavatra ireo, dia ho iza ho hanao ireo?"
Mampitaha ny hafainganam-pandehan'ny androny amin'ny mpihazakazaka i Joba. DH: "Miserana ny androko"
"mpihazakazaka" na "lehilahy mpihazakazaka"
Io dia mampiseho ny andron'ny Joba ho mahavita mitsoaka tahaka ny olona.
Io dia mampiseho ny fiainan'i Joba ho afaka mahita tahaka ny olona.
"tsy misy zava-tsoa"
Mampitaha ny hafainganam-pandehan'ny fiainany amin'ny lakana haingam-pandeha i Joba. DH: "Miserana tahaka ny lakan-jozoro ireny"
"lakana vita amin'ny zozoro." Ny zozoro dia ahitra poak'aty izay maniry eny amon-drano.
Mampitaha ny hafainganam-pandehan'ny androny amin'ny firimorimon'ny vorom-be manantona ny hazany i Joba
"misambotra"
Ny anarana "fitarainana" dia azo adika ho matoan-teny "mitaraina." DH: "Hitsatra amin'ny fitarainana aho" na "tsy hitaraina hanohitra an'Andriamanitra aho"
Ny fampahafantarana ambadika dia azo tovanana. DH: "ny fintarainako hanohitra an'Andriamanitra"
Ny endrika malahelon'i Joba dia resahina toy ny zavatra izay azo esorina. DH: "Tsy hiendrika malahelo aho ka hitsiky"
Ny andininy faha 28 sy 29 dia maneho ny mety ho vokany raha toa manao izay lazainy ao amin'ny andininy faha 27 i Joba. DH: "Ka hatahotra ny amin'ny alaheloko rehetra aho"
Ny anarana "alahelo" dia azo adika ho matoanteny "malahelo". DH: "inona no handratra ahy"
"Ho ampangaina sy hosaziana aho." na "hanameloka ahy Andriamanitra"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisana ny mba tsy hiheverany fa tsy ilainy ny fihainoan'Andriamanitra. Ny fampahafantarana miafina mahakasika izay kasain'i Joba dia azo hazavaina. DH: "Tsy ilaina ny mahazo ny fihainoan'Andriamanitra"
"raha nandro tamin'ny rano mangatsakatsaka, madio aho
"nanadio tafahoatra ny tanako." Ny fandikana ara-baiboly sasany dia mandika an'io miaraka amin'ny fanazava hoe "nanasa ny tanako tamin'ny savony mahery vaika."
"handatsaka ahy an-davaka"
Ny akanjon'i Joba dia resahina toy ny hoe manome valin-teny ratsy an'i Joba taorian'ny nandrobohan'Andriamanitra azy tany an-kady. DH: "maloto loatra ho an'ny akanjoko aho"
Azo tovanana ny fampahafantarana miafina. DH: "hamaly ny fiampangana azy hanohitra ahy" na "hiaro ny tenako" na "hiady hevitra ny amin'ny maha tsy manan-tsiny ahy aminy"
"miara-tonga eny amin'ny fitsarana." Eto, ny "fitsarana" dia toerana izay halehan'ny olona ka handaminan'ny mpitsara iray ny fifandirana. "Miaraka mankany amin'ny fitsarana" dia sarin-tenin 'ny fifampitoriana araka ny fitsaràn'ny lalàna. DH: "hifanandrina eo anatrehan'ny lalàna"
Io dia midika fa tsy misy mpitsara lehibe noho ny Tompo ka afaka manapa-kevitra ny amin'izay marina eo aminy sy i Joba.
Ny "mametraka ny tanany" eto dia midika ho fanana hery na fahefana. DH: "mampiato" na "manana fahefana eo"
Ireo andininy ireo dia manohy ny fandresen-dahatra tany aloha izay tsy misy lehibe noho ny Tompo ka afaka ny hijoro ho mpitsara eo amin'Andriamanitra sy i Joba.
Eto, ny "tsorakazon'Andriamanitra" dia sarin-tenin'ny fanasaziana na fanintsiana an'i Joba. DH: "mampitsahatra an'Andriamanitra amin'ny fanasaziana ahy"
Ny anarana "horohoro" dia azo atao matoanteny "mampihorohoro." DH: "mitazona azy tsy hampihorohoro sy hampatahorana ahy"
"Dia hiteny aho"
1 Sasatra ny miaina aho; haneho malalaka ny fitarainako aho; hiresaka amin'ny fangidian'ny fanahiko aho. 2 Hilaza amin'Andriamanitra aho hoe: 'Aza manameloka ahy fotsiny ihany; asehoy ahy ny antony hiampanganao ahy. 3 Mety aminao ve ny mampahory ahy, ny manao tsinontsinona ny asan'ny tananao eo am-pitsikiana amin'ireo tetiky ny ratsy fanahy? 4 Manana maso-nofo ve Ianao? Mahita toy ny fahitan'ny olona ve Ianao? 5 Moa ireo andronao ve toy ny andron'ny olombelona na ny taonanao toy ireo taonan'ny olona, 6 no karohinao ny heloko ary henjehinao ny fahotako, 7 na dia fantatrao aza fa tsy meloka aho ary tsy misy olona afaka hanavotra ahy eo am-pelatananao? 8 Ny tananao no namolavola sy nanamboatra ahy manontolo, nefa potehinao ihany aho. 9 Tsarovy, mitalaho aminao aho, fa namolavola ahy toy ny tanimanga Ianao; dia ho averinao ho vovoka indray ve aho? 10 Moa tsy efa nandraraka ahy toy ny ronono sy nampandry ahy toy fromazy ve ianao? 11 Notafianao tamin'ny hoditra sy nofo aho ary nampiraisinao tamin'ny taolana sy ozatra. 12 Nomenao fiainana sy fanekena mahatoky aho; niambina ny fanahiko ny fiahianao. 13 Nefa ireo zavatra izay nafeninao tao am-ponao—dia fantatro fa izao no noeritreretinao: 14 raha manota aho, dia ho tsikaritrao izany; tsy hanafaka ahy amin'ny heloko Ianao. 15 Raha ratsy fanahy aho, dia loza ho ahy; na dia marina aza aho, dia tsy afaka hanandratra ny lohako, satria feno fahamenarana aho ary mijery ny fijaliako manokana. 16 Raha miandrandra ny lohako, dia hihaza ahy tahaka ny liona ianao; mampiseho ny tenanao ho mahery amiko indray Ianao. 17 Mitondra vavolombelona vaovao manohitra ahy Ianao ary mampitombo ny hatezeranao amiko; manafika ahy amin'ny tafika vaovao Ianao. 18 Nahoana ary, no navoakanao avy tao am-bohoka aho? Naleoko nanolotra ny fanahiko ka tsy mba nisy maso nahita ahy. 19 Ho toy ny tsy nisy na oviana na oviana aho; ho nentina avy tao am-bohoka nankany am-pasana aho. 20 Tsy vitsy ihany ve ny androko? Koa aoka izay ary, avelao ho irery aho, mba hialako sasatra kely 21 mialohan'ny hialako eo amin'ilay tsy hiverenako, mankany amin'ilay tanin'ny aizina sy aloky ny fahafatesana, 22 ilay tany izay maizina toy ny misasak'alina, ilay tanin'ny aloky ny fahafatesana, tsy misy filaminana, izay toy ny misasak'alina ny hazavana.'"
"Leo ny miaina aho"
Ny anarana "fanehoana" sy "fitarainana" dia azo atao matoanteny "maneho" sy "mitaraina". DH: "Haneho an-kalalahana izay tsy maintsy hitarainako" na "hiady hevitra an-kalalahana aho"
Ampitahaina amin'ny tsiro manginy izay tasapan'i Joba. Ny anarana "ngidy" dia azo atao tambinteny "amim-pangidiana." DH: "Hiteny amim-pangidiana ny ao anatiko" na "hiteny amim-pangidiana aho"
Io fanontaniana io dia mitaky valin-teny ""tsia" ary azo soloina ho fanambarana. DH: "Tsy tsara ny hampahorianao ahy, ny hanaovanao tsinontsinona ny asan'ny tanako, raha mitsiky amin'ny tetiky ny ratsy fanahy ianao."
Ny tanana eto dia manondro ny herin'ny famoronanan'Andriamanitra. DH: "izay efa noforoninao"
Ny fomba fiteny "mitsiky amin'ny" eto dia maneho ny fankasitrahan'Andriamanitra. DH: "Mankasitraka ny tetiky ny ratsy fanahy"
Tsy lavitry ny fitoviana ny dikan'ireo fanontaniana roa ireo. Ireo fanontaniana ireo dia mitaky valin-teny ratsy mba hanamafisana fa Andriamanitra dia tsy mahita na mahatakatra zavatra tahaka ny atao'ny olona. Azo aseho ho fanambarana ireo. DH: "Tsy manana maso nofo ianao, ary tsy mahita tahaka ny fijerin'olona ianao."
Io fanontaniana io dia mitaky valin-teny ratsy mba hanamafisana fa Andriamanitra dia mandrikazay ary ny andon'olombelona die voafetra. Azo atao fanambarana io. DH: "Ny andronao dia tsy tahaka ny andron'olombelona ary taonanao dia sy tahaka ny andron'olombelona...ary tsy misy olona afaka mamonjy ahy eo am-pelatananao."
Tsy dia mifankaiza ny hevitr'ireo andian-teny roa ireo.
"ny isan'ny adronao"
"ireo isan'ny taonanao"
Tsy dia mifankaiza ny hevitr'ireo andian-teny roa ireo.
"mitady"
Ny "tananao" dia mampiseho ny herin'Andriamanitra. DH: "avy amin'ireo herina"
Ny "tanana" eto dia mampiseho an'Andriamanitra sy ny asa famoronany. DH: "Ianao"
Mampiasa sarin-teny amin'ny mpanao vilany mamolavola tanimanga i Joba mba hanoritsoritana ny fomba namoronan'Andriamanitra azy.
"nanisy endrika sy nanamboatra ahy." Ny teny hoe "namolavola" sy ny "nanamboatra" dia mitovy ny dikany.
"Tadidio"
"mamerina ahy ho vovoka indray"
Amin'ireto andininy ireto, mampiasa fiteny toa tononkalo i Joba mba hanoritsoritana ny fomba nanamboaran'Andriamanitra azy tao an-kibo.
Io dia fanontaniana io dia mitaky valin-teny tsara. DH: "Nandraraka ahy toy ronono ianao ary nampandry ahy toy ny fromazy." na "tahaka ny ronono lasa fromazy no nanaovanao ahy tao an-kibo."
Ny "Ianao" eto dia manondro an'Andriamanitra.
Ny "aho" eto dia manondro an'i Joba
Nanisy nofo sy hoditra tamin'ny vatan'i Joba tahaka ny nampiankanjoany azy Andriamanitra. DH: "Nanisy hoditra sy nofo tamin'ny vatako ianao"
"nanambatra ahy." Ny fametrahan'Andriamanitra an'i Joba tao an-kibo dia resahina toy ny hoe nampiray na nanenona poti-damba Andriamanitra. DH: "Nanambatra ahy"
Io dia faritra amin'ny vatana izay manambatra ny nofo sy ny taolana na faritra hafa amin'ny vatana ary manahirana, fehy fotsifotsy na kofehy.
Eto, ny anaran "fiainana" dia midika ho fiainana hita maso ary ny "fanekena mahatoky" dia manondro ny fahatokian'Andriamanitra amin'ny fampanantenany. Ireo dia azo adika ho matoanteny. DH: "Navelanao hiaina aho ary niaro ahy tamim-pahatokiana ianao"
"ny firaharahianao"
Eto, ny "fanahy" dia mampiseho ny fiainan'i Joba. DH: "niaro ahy" na "niambina ahy tokoa"
Eto, ny "ireo zavatra ireo" dia manondro ny zavatra voalaza ao amin'ny andininy izay manaraka.
Ny "nafeninao tao am-ponao" eto dia midika ny fanafenan'Andriamanitra sy fitazomany ireo ho tsiambaratelo. DH: "ireo zavatra ireo izay notazominao ho tsiamabaratelo"
"hiambina ahy ianao"
"Raha meloka aho" na "raha manao zava-dratsy aho"
"akory ny halozan'izany amiko"
"na dia nanao zavatra tamim-pahamarinana foana aza aho"
Io fomba fiteny io dia midika ho fahazoana antoka na fahatokisana. DH: "mitazona ny lohako ho ambony" na "matoky" na "mahazo antoka ny amin'ny tena"
Ny anarana "fahamenarana" dia azo adika amin'ny fampiasana teny mpamaritra "menatra." DH: "Fahamenarana no nameno ahy"
"afa-baraka"
ny anarana "fahoriana" dia azo adika amin'ny fampiasana matoanteny "ory." DH: "ary mijery ny fahoriako aho"
Ny teny tsy ampy dia azo ampiana. DH: "ary mijery aho"
Io fpmba nfiteny io dia midika ho fahatokisan-tena na fireharehana. DH: "raha lasa mirehareha aho"
Ireo nmety ho hevin'io sarin-teny io 1) Mihaza an'i Joba tahaka ny liona mihaza ny hazany Andriamanitra. 2) Hazaina tahaka liona hazain'Andriamanitra i Joba.
Io andian-teny io dia mampiseho teny an-kolaka ny amin'ny fomba fanehoan'Andriamanitra ny heriny mahagaga amin'ny fanoherana an'i Joba.
Ny lozan'i Joba avy amin'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe nisy olona vaovao izay vavolombelona nanohitra azy.
Ny anarana "fahatezerana" dia azo adika ho mpamaritra "tezitra." DH: "ary miha-tezitra amiko hatrany"
Ny fandefasan'Andriamanitra loza amin'i Joba dia resahina toy ny hoe mandefa tafika vaovao hanoitra azy foana Andriamanitra.
Eto, ny navoaka avy tao am-bohoka dia mampiseho ny fahaterahana ho amin'izao tontolo izao. DH: "namoaka ahy avy tao an-kibon-dreniko" na "nitondra ahy ho amin'izao tontolo izao"
Ny fanolorana ny fanahin'ny tena dia mapiseho fahafatesana. DH "maty"
Mampiasa ny "maso" i Joba mba hanondroany ny oona rehetra. Aleony maty teo am-pahaterahana, mialohan'ny nahitan'olona azy. DH: "mialohan'ny nisy olona nahita ahy" na "mialohan'ny teraka aho"
"Ho nentina ny tenako"
Eto, ny "androko" ny mampiseho halavan'ny fiainan'i Joba. Io fanontanoiana io dia mitaky vali-teny tsara, mba hanamafisana fa tombon'andro fohy ihany no antenain'i Joba. Azo adiaka ho fanambarana io. DH: "Andro vitsy ihany sisa no hiainako." na "Hifarana tsy ho ela ny fiainako."
Adikao tahaka ny tao amin'ny 3:4 io.
Ny fahamaizinan'ny toerana izay alehan'ny fanahin'ny olona maty dia ampitahaina amin'ny haizin'ny misasak'alina.
Io andian-teny mandà io dia azo adika amin'ny endrika tsotra. DH: "feno fifanjevoan" na "any amin'izay mifanjevo"
Ny hazavan'ny toerana izay alehan'ny fanahin'olona maty dia ampitahaina amin'ny misasak'alina. DH: "any amin'izay tsy misy hazavana"
1 Ary Zofara ilay Namatita namaly ary niteny hoe: 2 "Tsy tokony ho valiana ve ny teny betsaka tahaka izany? Tokony hinoana ve, ity lehilahy, be resaka ity? 3 Tokony hampangina ireo hafa ve ny fireharehanao? Raha manevateva ny fampianaranay ianao, tsy hisy olona hampahamenatra anao ve? 4 Satria ianao niteny tamin'Andriamanitra hoe: 'Madio ny finoako, tsy manan-tsiny eo imasonao aho.' 5 Nefa, eh, hiteny Andriamanitra ary hanokatra ny molony hanohitra anao; 6 mba hanehoany anao ireo tsiambaratelon'ny fahendrena! Fa lehibe amin'ny fahazavan-tsaina Izy. Fantaro ary fa kely noho izay mendrika ny helokao no angatahin'Andriamanitra aminao. 7 Mahatakatra an'Andriamanitra amin'ny fitadiavana Azy ve ianao? Takatrao tanteraka ve ny Tsitoha? 8 Izany zavatra izany dia avo toy ny lanitra; inona no afaka ataonao? Lalina noho ny Fiainan-tsy hita izany; ka inona no fantatrao? 9 Ny refin'izany dia lava noho ny tany, ary lehibe noho ny ranomasina. 10 Raha mandalo Izy ka mampangina olona, raha miantso olona ho tsaraina Izy, dia iza no afaka hanakana Azy? 11 Fa Izy mahalala ny olona diso; rehefa mahita heloka Izy, tsy ho tsikariny ve izany? 12 Nefa ny olona adala tsy manana fahatakarana; ho azon'izy ireo izany rehefa miteraka olona ny apondra-dia. 13 Nefa hevero fa efa nametraka tsara ny fonao ianao ary efa nanatsotra ny tananao ho amin'Andriamanitra; 14 hevero hoe eo an-tananao ny heloka, nefa avy eo dia nohalavirinao lavitra anao izany, ary tsy namela ny tsy fahamarinana hitoetra ao an-dainao ianao. 15 Dia hanandratra ny tavanao tsy misy famantarana henatra tokoa ianao; eny tokoa, tsy hiovaova ianao ary tsy hatahotra. 16 Hanadino ny fahorianao ianao; ho tsaroanao toy ny rano izay nikoriana fotsiny izany. 17 Hamiratra noho ny amin'ny mitataovovonana ny fiainanao; na dia nisy aizina aza, dia ho tonga toy ny maraina izany. 18 Ho voaaro ianao satria misy fanantenana; eny tokoa, hahita fiarovana momba anao ianao ary hanana fitsaharana am-pilaminana. 19 Handry am-pitsaharana koa ianao, ary tsy misy olona hampitahotra anao; eny tokoa, maro no hila sitraka aminao. 20 Fa ho pahina ny mason'ny olona ratsy fanahy; tsy hahita lalana handosirana izy ireo; ny hany fanantenan'izy ireo dia ny fialan'aina farany."
Adikao tahaka nhy ao amin'ny 2:11 io anaran-dehilahy io. "Zofara avy any amin'ny faritanin'i Nama" (UDB)
Manontany fanontaniana amin'ny endrika mandà i Zofara mba hanamafisana fa tsy maintsy valiana ny tenin'i Joba. DH: "tsy maintsy valiantsika izany teny izany!" na "misy hamaly izany teny rehetra izany"
Mampiasa io fanonaniana io i Zofara mba hanamafisana fa tsy tokony hino izay lazain'i Joba izy ireo. DH: "Be resaka ity lehilahy ity, kanefa tsy tokony hino azy ny olona" na "Ny teny maronao dia tsy midika fa tsy mana-tsiny ianao."
Mampiasa io fanontaniana io i Zofara mba hitenenana mafy an'i Joba. DH: "Satria ianao niteny maro, tsy midika izany fa tsy maintsy mangina ny hafa."
Mampiasa io fanontaniana io i Zofara mba hitenenana mafy an'i Joba. DH: "efa nanevateva ny fampianaranay ianao. Hampamenatra anao izahay ankehitriny!"
"Tsy diso ny fahazavan-tsaiko"
Ny maso dia mampiseho fijery, izay sarin-tenin'ny tomban'ezaka'Andriamanitra amin'ny Joba. Ireo mety ho heviny dia 1)Miteny i Joba fa Andriamanitra dia mitsara azy ho tsy manan-tsiny. DH: "Miteny ianao fa tsy manan-tsiny aho" na 2) Mihevitra i Joba fa efa nanan-tsiny izy ka tokony hitsara azy ho tsy manan-tsiny Andriamanitra. DH: "Tokony tsaroanao fa tsy manan-tsiny aho"
Ny teny "manokatra ny molony" dia sarin-teny izay midika hoe "miteny". Ireo andian-teny roa ireo midika zavatra ireo dia ampiasaina miaraka mba hanamafisana ny hetahetan'i Zofara ny mba hitenenan'Andriamanitra mafy hanohitra an'i Joba.
Ny "tsiambaratelon'ny fahendrena" dia azo lazaina mazava tsara. DH: "ka hampiseho anao izy fa ory ianao nohon'ny fahotanao"
"Angatahina amin'i Joba" dia mampiseho fanasaziana amin'i Joba. DH: "kely noho izay mendrika anao no anasazian'Andriamanitra anao"
Ireo fanontaniana mitovy ireo dia samy manontany zavatra mitovy. Mampiasa endrika fanontaniana ny mpanoratra mba hanampiana ny fanamafisana. DH: "Tsy afaka ny hahatakatra an'Andriamanitra amin'ny fitadiavana azy ianao, ary tsy hahatakatra tanteraka ny tsitoha mihitsy ianao!"
Io dia manondro ny fahatakarana an'Andriamanitra. DH: "Mahatakatra an'Andriamanitra"
Ny tsy fietezan'ny fahatakarana an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe tsy mitombina ny handehanana any amin'ny toerana tena avo. DH: "tsy afaka hiakarana tahaka ny toerana avo indrindra eny amin'ny lanitra...tsy afaka hidirana kokoa noho ny toerana lalina indrindra any amin'ny aloky ny fahafatesana"
Mampiasa io fanontaniana i Zotsara mba hanehoana fa tsy misy olona afaka manao na inona na inona" or "tsy afaka ny hahatakatra azy tanteraka ianao"
Mampiasa io fanontaniana io i Zofara fa tsy misy olona afaka manao na inona na inona mba hahafantarana tanteraka an'Andriamanitra. DH: "tsy afaka ny hahafantatra tanteraka an'Andriamanitra ianao" na "tsy afaka ny hahafantantra izay tokony ho fantatra rehetra ianao"
Ireo mety ho heviny izay tondroin'io dia 1) Fahalehibeazan'Andriamanitra na 2) Ny fahalehibeazan'ny fahendren'Andriamanitra
Ny fahalehibeazana na fahendren'Andriamanitra dia resahina toy ny tsy azo refesina ny halaviny.
"Raha Andriamanitra...mampangina ny olona any am-ponja"
Ny anarana "fitsarana" dia azo adika matoanteny "mitsara." DH: "Raha miantso ho any aminy Andriamanitra mba ahafahany mitsara azy"
Io fanontaniana io dia manamafy fa tsy misy afaka manakana an'Andriamanitra. DH: "Tsy misy afaka manakana Azy!"
Io dia manamafy fa Andriamanitra mahatsikaritra ny fahotana. DH: "Tsikariny tokoa izany!"
Ny anarana "fahatakarana" dia azo aseho ho matoanteny "mahatakatra." DH: "Fa ny olona adala dia tsy mahatakatra"
Satria ny apondra dia tsy hiteraka olona mihitsy, io dia midika fa ny olona adala dia tsy hanana fahazavan-tsaina mihintsy. DH: "Raha hiteraka olona ny ampondradia dia hanana fahazavan-tsaina ny olona adala" na "sarotra tahaka ny ampondra hiteraka olona ny hananan'ny adala fahazavan-tsaina"
Ny fo dia mampisehoi eritreritra na fahazarana. Mametraka izany tsara dia maneho fanitsiana azy. DH: "eny na dia efa nanitsy ny fonao aza ianao"
Io dia asa famantarana maneho ny fangatahana fanampiana amin'Andriamanitra. DH: "ary efa nampiantso ahy sy nampivavaka ahy tamin'Andriamanitra"
Ny tanana dia mampiseho izay ataon'ny olona. DH: "eny na dia efa nahavita zava-dratsy aza ianao taloha"
Mametraka ny fahotana any oriana dia mampiseho fitsaharana amin'ny fahotana. DH: "kanefa avy eo dia nitsahatra tamin'ny fanaovan-dratsy ianao"
Ny tsy fahamarianana mitoetra dia mampiseho olona manao zavatra tsy marina. DH: "ary tsy namela ireo mpikamban'ny tokantranonao hanao zavatra tsy marina ianao"
"manandratra ny tavanao" dia mampiseho ny fahazaran'ny olon iray izay matoky sy e herim-po.
Mapitaha ny fahoriana amin'ny rano mikoriana ka misosa i Zofara. DH: " Ho tsaroanao tokoa izany, fa ny fahoriana dia ho lasa, tahaka ny rano izay efa nikoriana"
Mamerina hevitra mitovy i Zofara mba hanamafisana.
Ny famiratana dia maneho fananan-karena sy hafaliana. DH: "Ho voahambina sy ho fifaliana tahaka ny mitatao vovonana ny fiainanao".
Ny aizina dia mampiseho loza sy alahelo. DH: "na dia nisy aza ny loza sy ny alahelo"
Ny maraina dia mampiseho hazavana, izay mampiseho fanambinana sy fifaliana. DH: "ho voahambina sy faly tahaka ny maraina izany"
Mamerina hevitra iray i Zofara mba hanamafisana sy hanoritana ny fietezany.
"hanana fitsaharana am-pilaminana" dia fomba fiteny ho an'ny "mitsahatra." Ny andian-teny "am-pilaminana" dia azo adika amin'ny teny hoe "soa aman-tsara." DH: hitsahatra soa aman-tsara"
Mamerina hevitra mitovy i Zofara mba hanamafisana sy hanoritsoritana ny fietezana.
Ny anarana "fitsaharana" dia azo adika amin'ny matoanteny "mitsahatra." DH: "Handry ianao ka hitsahatra"
Ny mason'izy ireo dia maneho ny fahazavan-tsain'izy ireo. DH: "ny fahazavan-tsain'ny olona ratsy fanahy dia tsy hahomby" na "ny olona ratsy fanahy dia tsy hahatakatra"
Ny anarana fanantenana dia azo adika amin'ny matoanteny "manantena." Ny fialan'aina farany dia maneho fahafatesana. DH: "Ny hany fanantenan'izy ireo dia ny fiainana ny fara-fofon'ain'izy ireo" na "Ny ho faty ihany no fanantenan'izy ireo"
1 Dia namaly Joba ka nanao hoe: 2 "Tsy hisalasalana fa ianareo no olona; ary ho faty miaraka aminareo ny fahendrena. 3 Fa manana fahazavan-tsaina tahaka anareo koa aho; ary tsy ambaninareo aho. Eny tokoa, iza no tsy mahalala ny zavatra toy izany? 4 Zavatra fiomehezan'ny mpiray vodi-rindrina amiko aho— Izaho, izay niantso an'Andriamanitra ary izay novaliany! Izaho, lehilahy marina sy tsy misy tsiny—lasa zavatra fihomehezana aho ankehitriny. 5 Amin'ny eritreritry ny olona izay miadana, dia misy fanamavoana lozabe; mieritreritra ny amin'ny fomba izay mitondra loza maro kokoa ho an'ireo izay solafaka iz. 6 Ambinina ny lain'ireo jiolahy, ary mahatsiaro milamina ireo izay mampahatezitra an'Andriamanitra; ny tanan'izy ireo ihany no andriamanitr'izy ireo. 7 Fa ankehitriny anontanio ireo bibidia, dia hampianatra anao izy ireo; anontanio ireo voron'ny lanitra, dia hilaza aminao izy ireo. 8 Na miresaha amin'ny tany, dia hampianatra anao izany; hanambara aminao ireo trondron-dranomasina. 9 Biby inona amin'ireo rehetra ireo no tsy mahalala fa ny tanan'i Yaveh no nanao izao? 10 Eo an-tanany ny ain'ny zava-manan'aina rehetra sy ny fofon'ain'ny olombelona rehetra. 11 Tsy ny sofina ve no mamantatra ny teny toy ny lanilany manandrana ny tsiron'ny sakafo? 12 Ao amin'ny anti-dahy no misy ny fahendrena; ao amin'ny fahalavan'ny andro ny fahazavan-tsaina. 13 Manana fahendrena sy hery Andriamanitra; manana torohevitra sy fahazavan-tsaina Izy. 14 Indro, mandrava Izy, ary tsy afaka hamboarina indray izany; raha managradra olona iray Izy, dia tsy hisy fanafahana. 15 Indro, raha mihazona ireo rano Izy, ho ritra ireo; ary raha mandefa izany any ivelany izy, dia manafotra ny tany ireo. 16 Ao aminy ny hery sy fahendrena; ny vahoaka izay voafitaka sy ny mpamitaka dia samy eo amin'ny fahefany. 17 Manala voninahitra ny mpanolon-tsaina amin'ny alahelo Izy; ary mampody ireo mpitsara ho adala Izy. 18 Esoriny amin'ireo mpanjaka ny rojom-pahefana; nampisikina lamba ny valahany izy ireo. 19 Manala ny voninahitry ny mpisorona amin'alahelo Izy ary mandrava ny olona mahery. 20 Manaisotra ny lahatenin'ireo izay nitokiana Izy ary alàny amin'ireo loholona ny fahazavan-tsaina. 21 Mandatsaka fanamavoana amin'ny andrian-dahy Izy ary mamaha ny fehin-kibon'ny olo-matanjaka. 22 Maneho zavatra lalina avy ao amin'ny aizina Izy ary mitondra ny aloka izay misy ireo olona maty hivoaka ho amin'ny fahazavana. 23 Mampatanjaka ireo firenena Izy, ary mamotika azy ireo ihany koa; manitatra ireo firenena Izy, ary mitarika ireo toy ny voafonja ihany koa Izy. 24 Manala ny fahazavan-tsaina amin'ireo mpitariky ny olon'ny tany Izy; mahatonga azy ireo hirenireniny any an'efitra izay tsy misy lalana Izy. 25 Mitsapatsapa ao amin'ny aizina tsy misy hazavana izy ireo; ary mampivembena azy ireo tahaka ny olona mamo Izy.
"azo antoka"
"ianareo no olona manan-danja izay mahalala ny zava-drehetra"
Maneso ny fomba fihetsik'izy ireo sy ny fomba fanehoany ny tsy mampitombina ny voalazan'izy ireo i Joba. DH: "Olona manan-danja tokoa ianareo ka tsy afaka ny hisy ny fahendrena raha ntsy misy anareo" na "Manao ny tenanareo ho ianareo ihany no olon-kendry ianare ary rehefa maty ianareo dia manjavona ny fahendrena"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanehoana ny ny marina izay tokony hazava amin'ny mpihaino azy. Azo adika ho fanambarana ihany koa io. DH: "Eny tokoa, tsy misy tsy mahalala ny zavatra tahaka ireo" na "Eny tokoa, mahafantatra ireo zavatra ireo avokoa ny rehetra"
Ny fifandraisana eo amin'ireo andiany-teny ireo dia azo hazavaina amin'ny teny hoe "na dia...aza." DH: "Zavatra fiomehezan'ny mpiara-belona amiko aho_na dia izaho aza ilay niantso an'Andriamanitra ka novaliany"
Ny fifandraisana eo amin'ireo andian-teny ireo dia azo hazavaina amin'ny teny hoe "Na dia...aza." DH: "Na dia lehilahy marina sy tsy manan-tsiny aza aho, dia mihomehy ahy ny olona ankehitriny"
Ny anarana "eritreritra", "fiadanana", "fanamavoana," ary ny "loza" dia azo aseho amin'ny fehezanteny hafa. DH: "Ny olona miaina fiaina-miadana dia manamavo ny olona ory"
Ny mitondra loza dia mampiseho ny mahatonga izany hihatra. DH: "miteraka zava-dratsy maro kokoa mba hiseho"
Ny solafaka dia mampiseho ny maha ao anaty loza na olana. DH: "an'ireo izay efa ao anaty olana"
Ny fanambinana ny lain'izy ireo dia mampiseho ireo jiolahy ambininy amin'ny lain'izy ireo. DH: "Miaina fanambinana ao amin'ny lain'izy ireo ny jiolahy.
"Ny tanan'izy ireo" dia sarin-tenin'ny "tanjaka", ary ny "andriamanitr'izy ireo" dia sarin-tenin'ny "fireherehan'izy ireo". DH: "mirehareha tanteraka amin'ny fahaizan'izy ireo manokana izy ireo"
Ireo fanambarana efatra ireo dia samy mampiseho hevitra iray fa ny bibidia, ny vorona, ny tany, ary ny trondro dia mahatakatra an'Andriamananitra kokoa noho ny naman'i Joba.
Ny filazana mandidy amin'ny ampaham-pehazanteny voalaohany dia filazana petra-kevitra. DH: "fa raha manontany ny bibidia ianao, dia hampianatra anao izy ireo"
Ny filazana mandidy amin'ny ampaham-pehazanteny voalaohany dia filazana petra-kevitra. DH: "raha manontany ny voron'ny lanitra ianao ianao dia hamaly anao ireo"
Ny filazana mandidy amin'ny ampaham-pehazanteny voalaohany dia filazana petra-kevitra. DH: Na raha miresaka tamin'ny tany ianao, dia hamaly anao izany"
Ny filaza mandidy "anontanio ny trondron-dranomasina" dia azo amin'ny fehezan-teny teo aloha. Io dia toy ny filazana petra-kevitra. DH: "ary raha manontany ny trondron-dranomasina ianao dia hanambara aminareo ireo"
Io fanontaniana io dia manamafy ny filazana fa ireo biby dia mahalala an'Yaveh izay efa nanao izao. Izany hoe: "Mahalala avokoa ny biby rehetra...izao."
Ny tanan'Yaveh dia mampiseho ny heriny. DH: " Nanao izao tamin'ny heriny Yaveh"
Ny tanan'Andriamanitra dia maneho ny fifehezany sy ny heriny. Ny zavatra eo an-tanany dia mampiseho ny fahafahana mifehy azy ireo. DH: "izay mifehy ny fiainan'ny zava-manan'aina rehetra sy manome fofonaina ny olombelona rehetra"
"Fofon'aina" dia mampiseho fiainana na fahafahana miaina.
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisana fa mihaino izay lazain'ny hafa azy ny olona ary mitsara izany na tsara na tsia. Ny sofina sy ny lanilany dia sarin-tenin'ny mihaino sy manandrana (tsiro). DH: "Rèntsika izay tenenin'ny olona ary andramantsika tahaka ny fanandramana sakafo izany"
"Ny anti-dahy no manana fahendrena." Ny anarana "fahendrena" dia azo aseho amin'ny hoe "hendry." Ny teny "lehilahy" dia manondro ny olona amin'ny ankapobeny. DH: "Ny olona antitra dia hendry"
Ny andian-teny "fahalavan'ny andro" dia sarin-tenin'ny fahaelana velona. Fahazavan-tsaina ao amin'ny fahalavan'ny andro dia mampiseho ny fahazavan-tsain'ny olona rehefa ela velona. Nhy anarana "fahazavan-tsaina" dia azo adika amin'ny andian-teny hoe "mahatakatra lalina." DH: "Mahazo fahazavan-tsaina ny olona rehefa ela ny iaiana" na "Ny olona ela velona dia mahatakatra lalina"
Ny andinoiny faha 13 dia mialza fa Andriamanitra dia hendry sy tsitoha. Ny ambin'ity toko ity dia mampiseho fa io dia marina araka ny fitenenana mahakasika ny zavatra hendry sy mahery izay ataon'Andriamanitra.
Ny anaran'ny "fahendrena" sy ny "hery" dia azo adika ho mpamaritra "hendry" sy "mahery"
"tsy misy afaka mamerina manangana izany"
Ny anarana "fanafahana" dia azo adika amin'ny matoanteny "manafaka." DH: "Raha manidy olona Andriamanitra, dia tsy misy afaka manafaka azy"
Ireo mety ho hevitry ny fihazonana rano dia 1) manakana ny orana tsy hilatsaka. DH: "raha manakana ny orana tsy hilatsaka izy, dia maina ny tany" na 2) manakana ny rano tsy hikoriana. DH: "Raha manakana ny rano tsy hikoriana izy, dia maina ny tany"
Ireo mety ho hevitry ny sarin-tenin'ny fandefasana azy ireo 1)Mahatonga ny orana hilatsaka. DH: "raha mandatsaka orambe izy, dia hanafotra ny tany izany" na 2) mahatonga ny rano hikoriana. DH: "raha mampikoriana ny ranobe izy, dia hanafotra ny tany izany"
Ny anarana "hery" sy ny "fahendrena" dia azo adika amin'ny teny hoe "matanjaka" sy "hendry". DH: "Andriamanitra dia matanjaka sy hendry"
Ny eo amin'ny fahefan'Andriamanitra dia maneho ny fandidian'Andriamanitra eo amin'izy ireo. DH: "ny olona izay mino lainga sy ny olona mamitaka ny hafa dia samy eo amin'ny fahefany" na "Andriamanitra dia mandidy eo amin'ireo izay mino lainga sy ny olona mamitaka ny hafa"
ny fanalana voninahitra ny mpanolo-tsaina dia mampiseho ny fanesorana ny fahendren'izy ireony ny fahefany.
Ny anarana "alahelo" dia azo aseho amin'ny teny hoe "mampalahelo" na "ory" DH: "ary tena malahelo izy ireo" na "ory izy ireo"
"nataony lasa adala ny mpitsara"
Ireo mety ho heviny dia 1) io dia sarin-tenin'ny fanafohizana ny fahefan'ny mpanjaka. DH: "Nanaisotra ny fahefan'ny mpanjaka Izy" na 2) io dia sarin-tenin'ny fanahahana ny olona amin'ny rojo izay napetraky ny mpanajaka teo amin'izy ireo. DH: "Nanaisotra ny fatotra izay napetraky ny mpanjaka tamin'ny olona Izy"
Io lamba io dia mety ho ny zavatra tafian'ny andevo. Ny fampiakanjoana ireo lamba ireo ny mpanjaka dia mampiseho ny fanaovana ny mpanjaka ho andevo. DH: "mampitafy ny mpanjaka amin'ny akanjon'andevo Izy" na "nanao azy ireo ho andevo Izy"
Ny manala ny voninahitr'ireo mpisorona dia mampiseho ny fanala azy ireo amin'ny fahefana.
Ny anarana "alahelo" dia azo aseho amin'ny teny hoe "mampalahelo" na "ory" DH: "ary tena malahelo izy ireo" na "ory izy ireo"
"mandresy ny olona mahery Izy"
Fanesorana ny lahatenin'ireo dia mampiseho ny fanaovana azy ireo ho tsy afa-miteny. DH: "Ataony tsy afa-miteny ireo izay nitokiana" na "Mampangina ireo olona izay nitokian'ny hafa Izy"
Ny fanalana ny fahazavan-tsaina dia mampiseho ny fanaovana azy ireo ho tsy afaka mahatakatra na mandray fepetra tsara. DH: "Manao ireo loholona ho tsy afa-mahatakatra" na "manao ireo loholona ho tsy afaka mandray fepetra tsara"
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo zokiolona na 2) ireo mpitarika.
Ny fandatsahana fanamavoana amin'ireo andrian-dahy dia sarin-tenin'ny fahatsapan'ny olona ho voamavon'izy ireo. DH: "Ataony mahatsapa tsy fanajana lehibe amin'izay manapaka azy ny olona"
Ny fehin-kibo dia famantarana ny tanjaka. Ny famahana ny fehin-kibon'ny olona matanjaka dia mampiseho ny fanalana ny tanjany ny fampalemena azy. DH: "mampalemy ny olo-matanjaka"
Ny fanehoana zavatra dia mampiseho ny fampahafantarana azy ireo. "Zava-dalina avy ao amin'ny aizina" dia mampiseho ireo tsiambaratelo izay tsy fantatry ny olona. DH: "Mampahafantatra ireo tsiambaratelo izay tsy fantatry ny olona Izy"
Ny fitondrana zavatra mivoaka ho amin'ny mazava dia mampiseho ny fampahafantarana azy ireo. DH: "mampahafantatra ny toerana misy ny olona maty"
"Ataony miha lehibe hatraiza hatraiza ny tanin'ny vondron'olona" na "Ampahazoany tany maro kokoa ireo firenena"
Ny fitarihan'Andriamanitra ireo firenena dia mampiseho fanaovan'Andriamanitra azy ireo ho tarihin'ny fahavalony. Ny teny "izy ireo" dia mampiseho ireo firenena, izay eto dia mampiseho ny olon'ireo firenena ireo. DH: "Ataony mitarika azy ireo toy ny voafonja ny fahavalony"
Ny fanalana ny fahazavan-tsain'izy ireo dia mampiseho ny fanaovana azy ireo ho tsy afa-mahatakatra. DH: "Ataony tsy afa-mahatakatra ireo mpitarika ny olon'ny tany"
Ny firenirenena any an'efitra izay tsy misy lalana dia mampiseho ny fahasarotan'ny toe-draraha sy ny tsy fahafantarana ny hatao. DH: "tsy mahazo antoka ny zavatra atao tahaka olona mirenireny any amin'ny tany ngazana tsy misy lalana"
Ny ao anaty aizina tsy misy hazavana dia mampiseho ny tsy fisiam-pahalalana. DH: "sahirana mandray fanapahan-kevitra tsy amim-pahalalana toy ny olona sahirana madeha amin'ny aizina tsy misy hazavana izy ireo"
Ny fivembenana na firenireniavana tahaka ny olona mamo dia mapiseho fahavelomana tsy misy tanjona. DH: "ataon'ny velona tsy misy tanjona tahaka ny olona mamo izay mivembena rehefa mandeha izy ireo"
1 Indro, ny masoko efa nahita izany rehetra izany; ny sofiko efa nandre ka nahatakatra izany. 2 Izay fantatrareo, dia fantatro ihany koa; tsy ambaninareo aho. 3 Kanefa, aleoko miresaka amin'ilay Tsitoha; maniry ny hifandahatra amin'Andriamanitra aho. 4 Fa fotsianareo amin'ny lainga ny marina; mpitsabo tsy misy lanjany avokoa ianareo. 5 Eh, tazony ho anareo ny fahanginanareo! Ho fahendrenareo izany. 6 Ankehitriny henoy ny fandaharako; henoy ny fiangavian'ny molotro. 7 Hiteny amin'ny tsy fahamarinana ho an'Andriamanitra ve ianareo, ary moa hiteny amim-pitaka ho Azy? 8 Tena haneho hatsaram-panahy aminy ve ianareo? Hiady any am-pitsaràna tokoa ve ianareo mba ho vavolombelon'Andriamanitra? 9 Mety aminareo tokoa ve raha mitady anareo Izy? Afaka ny hamitaka Azy tahaka ny mety ho famitahanareo olona ve ianareo? 10 Hananatra anareo tokoa Izy raha nampiseho fiangarana miafina ianareo. 11 Tsy hampitahotra anareo ve ny voninahiny? Tsy hianjera aminareo ve ny fahatahorana Azy? 12 Ny teny fahatsiarovanareo dia ohabolana vita amin'ny lavenona; ary ny teny fiarovanareo dia fiarovana vita amin'ny tanimanga. 13 Tazony any ny fahanginanareo, avelao irery aho, mba hahafahako miteny, aoka ho avy amiko izay ho avy. 14 Ny nifiko ihany no hanongotako ny nofoko; ary raisiko ho eo an-tanako ny aiko. 15 Indro, raha mamono ahy Izy, dia ho foana ny fanantenako; fa na izany aza, dia hiaro ny lalako eo anatrehany aho. 16 Izao no ho anton'ny fialan-tsiniko, mba tsy handehanako eo anatrehany tahaka ny olona mpaniratsira. 17 Andriamanitra ô, henoy tsara ny teny alahatro; aoka ny fanambarako ho tonga eo an-tsofinao. 18 Indro ankehitriny, efa nalahatro tsara ny fiarovan-tenako; fantatro fa tsy manan-tsiny aho. 19 Iza ilay iray izay hiady amiko eo amin'ny fitsaràna? Raha tonga hanao izany Ianao, ka raha voaporofo fa diso aho, dia hangina aho ka hahafoy ny aiko. 20 Andriamanitra ô, zavatra roa ihany no ataovy amiko, dia tsy hanafina ny tenako amin'ny tavanao aho: 21 esory amiko ny tana-mampahorinao, ary aza avela hampatahotra ahy ny fampihorohoroanao. 22 Antsoy aho, dia hamaly aho; na mamelà ahy hiteny aminao, dia hamaly ahy Ianao. 23 Firy ny hadisoako sy ny fahotako? Ampahafantaro ahy ny heloko sy ny fahotako. 24 Nahoana Ianao no manafina ny tavanao amiko ka mitondra ahy tahaka ny fahavalonao? 25 Hanenjika ravin-kazo lasan'ny rivotra ve Ianao? Hanenjika mololo maina ve Ianao? 26 Fa manoratra zava-mangidy hanohitra ahy Ianao; hampandovànao ahy ny heloky ny fahatanorako. 27 Ataonao ao anaty gadra vy ihany koa ny tongotro; jerenao akaiky ny lalako rehetra; dinihanao ihany koa ny tany izay nohitsahan'ny faladian-tongotro 28 na dia tahaka ny zavatra lo izay mihalevona aza aho, tahaka ny akanjo lanin'ny kalalao.
Fampifandraisana ny lohahevitra: Manohy ny miresaka amin'ireo namany i Joba.
"reneso" na "henoy." Io teny io dia manamarika fa tian'I Joba hiaino tsara ireo namany telo.
Manondro ny tenany ho toy ny masony i Joba satria tamin'ny masony no nijereny ireo zavatra ireo. DH: "Efa itako avokoa izany"
Manondro ny tenany ho toy ny sofiny i Joba satria ny tamin'ny sofiny no nandrenesany ireo zavatra ireo. DH: "Efa nahare sy nahatakatra izany aho"
"fantatro ihany koa izay fantatrareo" (UDB) na "mahafantatra izay fantatrareo aho"
Mitsara azy ireo naman'i Joba, ka tsy milaz ny marina izy ireo. Aleon'i Joba mifandahatra amin'Andriamanitra irey iheny ny amin'ny fitarainany.
Ny famotsiana na fandalorana ny marina dia mampiseho ny fanaovana tsinontsinona ny marina. DH: "Afeninao amin'ny lainga ny marina" na "mandainga sy manao tsinintsinona ny marina ianao"
Ny maha mpitsabo dia mampiseho ny maha olona mpampahery ny hafa. Ny maha tsy tsy misy lanjany dia midika fa tsy mahalala izay hanaovana izay tokony hataon'izy ireo. DH: "Tahaka ny mpitsabo tsy mahalala ny fomba hanasitranana olona ianareo" na "tonga mba hampahery ahy avokoa ianareo, kanefa tsy hainareo heo amin'ny fomba ahoana, tahaka ny mpitsabo tsy ampy fahalalana"
Io fanehoan-kevitra io dia midika hoe "mangina" na "tsy mitabataba"
Nihevitra izy ireo fa miteny zavatra amim-pahendrena, kanefa i Joba dia milaza fa fahendrena kokoa raha tsy mitabataba izy ireo. Ny anarana "fahendrena" dia azo aseho amin'ny teny hoe "hendry." DH: "raha manao izany ianareo dia ho hendry" na "raha tsy mitabataba ianareo dia ho hendry ianareo"
Manohy ny fitenenany amin'ireo namany i Joba.
Eto, ny "molotra" dia mampiseho ny olona miteny. DH: "mihinoa ny fitalahoan'ny tenako"
Mampiasa ireo fanontaniana roa ireo i Joba mba hitenenenany mafy ireo namany ny amin'ny fitenenana tsy amim-pahamarinana. DH: "Mihevitra ianareo fa miresaka amin'Andriamanitra, kanefa miresaka tsy amim-pahamarinana ianareo. Miresaka amim-pitaka ianareo"
"mandainga" na "milaza lainga"
Ny fanehoana fahatsorana amin'Andriamaitra dia mampiseho fanampiana an'Andriamanitra na fiarovana an'Andriamanitra mba hanoherena fitarainan'i Joba. Mampiasa ireo fanontaniana ireo i Joba mba hitenenany mafy ireo namany ny amin'ny fiheverana fa afaka miaro an'Andriamanitra izy ireo. DH: "mihevitra ianareo fa afaka miaro an'Andriamanitra. Mihevitra ianareo fa afaka mifandahatra amin'Andriamanitra toy ny vavolombelona eo amin'ny fitsarana"
Eto, ny "mitady" dia sarin-tenin'ny "mizaha anareo." Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hampitandremana ireo namany fa raha mizaha azy ireo Andriamanitra, dia hilaza izy manao ny tsy mety izy ireo. DH: "Raha mizaha anreo Andriamanitra, dia tsy ho tsara aminareo izany."
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hampitandremana ireo namany fa mahalala ny marina rehatra mahakasika azy ireo Andriamanitra. DH: "Mety hahavita hamitaka olona ianareo, kanefa tsy afaka hamitaka an'Andriamanitra."
"hiteny mafy"
Ny fanehoana fiangarana dia manondro ny fitenenana zavatra tsara mahakasika olona ihany mba hilazan'ny mpitsara fa marina ilay olona. Ny fanaovana izany mangina dia midika fa mody miteny ara-drariny, kanefa tena mankasitraka olona iray eo amin'ireo hafa. DH: "raha maneho fankasitrahana mangina amin'ny hafa ianareo"
Mampiasa ireo fanon,taniana ireo i Joba mba hitenenana mafy ireo namany. Ireo mety ho heviny dia 1) milaza i Joba fa tokony hatahotra an'Andriamanitr izy ireo. DH: "Tokony hampitahotra anareo ny voninahiny, ary ny tokony hilatsaka aminareo ny fahatahorana Azy" na 2) milaza i Joba fa hatahotra an'Andriamanitra izy ireo. DH: "Hampitahotra anareo ny voninahiny ary ny hilatsaka aminareo ny fahatahorana Azy!"
Ny filatsahan' ny fatahorana amin'ny olona dia mampiseho ny fatahoran'izy ireo mafy dia mafy. DH: "tsy hatahotra mafy ve ianao" na "tsy hihorohoro ve ianao"
Ny lavenona dia mampiseho zavatra izay zava-poana sy tsy maharitra. DH: "Ny teny fahatsiarovanareo dia zava-poana tahaka ny lavenona" na "Ny teny fahatsiarovanareo dia adino tahaka ny lavenona notsofina"
Ny tenin'izy ireo dia resahin'i Joba toy ny hoe rindrina manodidina tanàna izay vita amin'ny tanimanga; tsy faka miaro ny vahoaka izany satria mora vaky ny tanimanga. DH: "Ny teny fiarovanareo dia tsy misy dikany tahaka ny rindrina tanimanga"
Ireo mety ho heviny dia manondro ny 1) zavatra lazain'izy ireo mba hiarovany ny tenany na 2) zavatra lazain'izy ireo mba hiarovana an'Andriamanitra.
Io dia fomba fiteny izay midika "mangina" na "aza mitabataba."
Io dia fomba fiteny izay midika hoe "aza manelingelina ahy" na "aza manakantsakana ahy"
Ny zavatra ho avy amin'ny olonai iray dia mampiseho ny zavatra hihatra amin'ny olona iray. Io fanehoan-kevitra io dia manomboka amin'ny "aoka" izay midika fa tsy tsy miraharaha izay mety hihatra aminy izy. DH: "aoka hihatra izay rehetra hihatra amiko" na "tsy miraharaha izay mety hihatra amiko aho"
Ny "nofo" dia sarin-tenin'ny fiainana. Ny "nify" sy ny "tanana" dia sarin-tenin'ny fifehezany manokana. Ireo andian-teny roa ireo dia samy manamafy fa i Joba dia vonona ny hanao sorona ny ainy amin'ny alalan'ny fandaharana ny raharahana amin'Andriamanitra. DH: "Vonona ny hanao sorona ny aiko aho"
Ny anarana "fialan-tsiny" dia azo aseho amin'ny matoanteny "miala tsiny." DH: "Izao no antony ka hamelan'Andriamanitra ahy" na "Izao no antony ka mba hilazan'Andriamanitra fa tsy meloka aho"
Manomboka mampahitsy ny lahateniny mivantana amin'Andriamanitra i Joba.
Ireo andalana roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny anakapobeny ary manantitrantitra ny fangatahan'i Joba an'Andriamanitra mba hihaino azy.
Ny anarana "fanambarana" dia azo aseho amin'ny matoanteny "manambara." Ny sofina dia mampiseho fihainoana. DH: "henoy ny fanambarako" na "henoy izay hambarako"
Manohy ny firesahana amin'Andriamanitra i Joba.
Io dia manamafy izay manaraka. "henoy ankehitriny" na "Mba henoy tsara tompoko"
Ny fandaharana fiarovan-tena dia mampiseho ny fanapahan-kevitra ny amin'izay ho lazainy mba hiarovany tena. DH: "Efa noheveriko izay fomba hiarovako tena" na "Efa nanapa-kevitra ny amin'ny fomba hanazavako ny fiarovan-tenako aho"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny finoany fa satria izy marina, dia tsy misy handahatra hanohitra azy. DH: "Tsy mino aho hoe hisy handahatra hanohitra ahy eo amin'ny fitsarana"
"raha tonga mba handahatra hanohitra ahy ianao"
"ianao" eto dia midika ny tenan'Andriamanitra.
"raha manaporofo ahy fa diso ianao"
Ny famoizan'aina dia sarin-tenin'ny fahafatesana. DH: "maty"
Manohy ny firesahana amin'Andriamanitra i Joba.
Ny "tava" dia mampiseho olona. DH: "aminao."
Ny tana-mampahory dia sarin-tenin'ny fanaovana zavatra izay mampahory olona. Ny fanesorana tanana dia sarin-tenin'ny fampitsaharana ireo zavatra ireo. DH: "Atsaharo ny famapahoriana ahy"
Ny andian-teny " ny fampihorohoroanao" dia manondro ny mahatonga ny olona hatahotra an'Andriamanitra. DH: "Aza mampitahotra ahy"
Manohy ny firesahana amin'Andriamanitra i Joba.
Manontany io fanontaniana io i Joba mba hitarainany mahakasika ny fitondran'Andriamanitra azy. Met mananteny valin-teny izy.
Ny fanafenana ny tavan'ny tena amin'ny olona dia mampiseho ny fanadavana ny hijery azy na fanaovana tsinointsinona azy. DH: "mandà ny hijery ahy ianao" na "manao tsinontsinona ahy ianao"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hitenenany an'Andriamanitra fa satria tsy misy fotony sy marefo i Joba, dia tsy misy dikany noho izany ny hanenjehana azy.
Ny "ravina" sy ny "mololo" dia sarin-teny hamaritan'i Joba ny fahalemeny, ny tsy mampisy fotony azy ary ny faosany. DH: "Manenjika ahy Ianao, kanefa izaho dia marefo tahaka ny ravina tsofin-drivotra sy tsy misy fotony tahaka ny mololo"
Manohy ny firesahana amin'Andriamanitra i Joba.
Ny "zava-mangidy" dia mampiseho fanamelohana. DH: "manoratra fanamelohana hanohitra ahy ianao"
Ny fampandovàna ny heloky ny fahatanorana dia sarin-teny. Ireo mety ho heviny dia mampiseho 1) ny fahamelohana ny amin'ny heloky ny fahatanorana. DH: "milaza Ianao fa meloka noho ny heloky ny fahatanorako aho" na 2) ny fanasaziana noho ny heloky ny fahatanorana. DH: "manasazy ahy noho ny heloky ny fahatanorako Ianao"
Ny anarana "fahatanorana" dia azo adika amin'ny teny hoe "tanora." DH: "ny heloka vitako fony izaho tanora"
Ny fanaovana an'io dia mampiseho ny fanasaziana an'i Joba sy ny fitazomana azy tsy hiaina an-kalalahana toy ny hoe efa nanao heloka bevava sy efa voafonja i Joba.
Ireo mety ho heviny dia 1) rafitra izay mitazona ny tongotry ny voafonja ho eo amin'ny toerany ka tsy hahafahany mihetsika mihitsy, na 2) rojo manodidina ny tongotry ny voafonja izay manasarotra ny fandehanany. Ireo dia ampiasaina ho toy ny fanasaziana.
Ny lalana dia mampiseho ny zavatra ataon'i Joba. DH: "izay zavatra ataoko rehetra"
Ny faladian-tongotra dia mampiseho ny lala-nodiavin'ny olona iray. DH: "dinihinao ny tany izay efa nodiaviko"
Ny fandinihana izany tany izany dia mampiseho ny fandinihana izay rehetra nataon'i Joba. DH: "izany dia toy ny hoe mandinika ny tany izay nodiaviko" na "mandinika ny zava-rehatra ataoko tahaka ny olona iray mandinika ny dian-tongotr'olona amin'ny tany Ianao"
Mampitaha ny tenany amin'ny zavatra lo i Joba. Miha maty tsy moramora izy.
Mampitaha ny tenany amin'ny lamba izay feno loadoaka satria efa lanin'ny kalalao ny ampahan'izany.
1 Ny olona, izay natera-behivavy, dia miaina andro vitsy monja ary feno fahoriana. 2 Mitsimoka amin'ny tany toy ny voninkazo izy ary voakapa; mandositra toy ny aloka izy ary tsy maharitra. 3 Mba mijery an'ireny ve Ianao? Moa entinao ho tsaraina miaraka aminao aho? 4 Iza no afaka mitondra zavatra madio avy amin'ny zavatra maloto? Tsy misy. 5 Voafaritra ny andron'ny olona. Ianao no manapaka ny isan'ny volana iainany; ianao no nanondro ny fetrany izay tsy azony hihoarana. 6 Mihodìna aminy mba hitsaharany, ka mba hankafizany ny androny toy ny mpikarama raha afaka manao izany izy. 7 Mety hisy fanantenana ny hazo; raha voakapa izany, dia mety hitsimoka indray, mba tsy hanjavona ny tahony tanora. 8 Na dia miha-antitra ao amin'ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin'ny tany ny fotony, 9 nefa na dia mamofona rano fotsiny aza izany, dia hitsiry sy hisandrahaka tahaka ny zava-maniry izany. 10 Fa maty ny olona; dia lasa malemy izy; eny tokoa, mitsahatra tsy miaina ny olona, ary aiza izy avy eo? 11 Toy ny fanjavonan'ny rano amin'ny farihy, sy toy ny faharitan'ny renirano ka maina, 12 dia toy izany koa no handrian'ny olona ary tsy mifoha intsony. Mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra intsony, dia tsy hifoha na hitsangana amin'ny torimasony izy ireo. 13 Iriako ny mba hanafenanao ahy any amin'ny Fiainan-tsy hita lavitry ny fahoriana, ary mba hihazonanao ahy ao amin'ny miafina mandra-pitsahatry ny hatezeranao, sy hanendrenao fotoana voatondro ho ahy hijanonako any ary mba hahatsiarovanao ahy avy eo! 14 Raha maty ny olona iray, moa mbola hiaina indray izy? Raha izany, dia maniry ny hiandry ny fotoam-paharerahako rehetra any aho mandra-pahatongan'ny fanafahana ahy. 15 Hiantso Ianao, dia hamaly Anao aho. Hanam-paniriana amin'ny asan'ny tananao Ianao. 16 Hanisa sy hiahy ny diako Ianao; tsy hitazona ny fahotako Ianao. 17 Ho voahisy tombo-kase ao anaty kitapo ny fandikan-dalàko; ary hanarona ny heloko Ianao. 18 Fa na ny tendrombohitra aza mianjera ary lasa tsinontsinona; 19 na ny vatolampy aza voahozongozona amin'ny toerany; lanin'ny rano ny vato; lasan'ny riakany ny vovoky ny tany. Tahaka izany, no hamotehanao ny fanantenan'ny olona. 20 Mandresy azy mandrakariva Ianao, ary lasana izy; ovainao ny tavany ary halefanao mba ho faty izy. 21 Raha omem-boninahitra ireo zanany lahy, dia tsy fantany izany; ary raha haetry izy ireo, dia tsy hitany izany. 22 Ny fanaintainan'ny vatany manokana ihany no tsapany, ary misaona ho an'ny tenany ihany izy.
Ity toko ity dia manohy ny tenin'i Joba izay nanomboka tao amin'ny 12:1. miteny amin'Andriamanitra i Joba.
Io dia manondro ny olona rehetra, na ny lehilahy na ny vehivavy; izay rehetra teraka teto amin'izay tontolo izao.
Io dia fanitarana mba hanamafisana fa ny olona ny miaina fotoana fohy monja. DH: "miaina fotoana fohy monja"
Ny "feno fahoriana" dia mampiseho ny fiainana olana maro. DH: "manana olana maro" na "mijaly mafy"
Tahaka ny fiainan'ny voninkazo, ny fiainan'ny olona iray dia fohy ary mora maty.
Ny hafohin'ny fiainan'ny olona iray dia ampitahaina amin'ny aloka izay mora manjavona.
Ny tian'i Joba lazaina dia ny tsy filany an'Andriamanitra mba mba hiaino tsara Azy. DH: "tsy mijery an'ireo Ianao" na "tsy mihaino tsara ireo Ianao. Aza dia henoina loatra re aho"
Eto, ny fijerevana olona dia mampiseho ny fihainiana azy mba hitsarana azy. DH: "mihaino" na "mitady ny hadisoana"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny fahagagany fa mitsara azy Andriamanitra na dia tsy miy fotony tahaka ny voninkazo aza izy. DH: "Kanefa dia mitsara ahy Ianao"
Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny: Manohy ny firesahany aminAndriamanitra i Joba.
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba handresen-dahatra an'Andriamanitra mba hampiharany izay fantany mahakasika ny zava-maloto amin'i Joba. DH: "Tsy misy mahatondra zavatra madio avy amin'ny zavatra maloto"
DH: "mamaritra ny andron'ny olona Ianao" na "manapa-kevitra ny amin'ny halavan'ny fiainan'olona Ianao"
Ny isan'ny volan'ny olombelona eo amin'Andriamanitra dia mampiseho ny fandidian'Andriamanitra ny amin'ny isan'ny volana iainan'ny olombelona. "Ianao no mandidy ny isan'ny volana iainany"
Ny fe-potoana dia mampiseho ny fetran'ny fotoana iainana izay nataon'Andriamanitra hafatesan'ny olona. DH: "efa nanondro ny fotoana izay hafatesany Ianao, ary tsy afaka hiaiana mihoatra izany izy.
ny olona izay karamaina mba hiasa ry mody avy eo.
Ny anarana "fanantenana" dia azo aseho amin'ny matoanteny "manantena." Ny fanantenana dia hazavaina ao amin'ny andininy faha 7-9. DH: "mahazo manantena isika fa ny hazo dia ho velona indray"
"mety hanomboka haniry indray izany"
Ny fanjavonana dia mampiseho fahafatesana. DH: "mba tsy ho faty ny sampany tanora"
"na dia...aza" na "na dia..."
ny faritry ny ny hazo izay tavela eo amin"ny tany rehafa avy misy manapaka ny vataben'ilay hazo
Io dia manositsoritra ny fototra maty toy ny hoe afaka mamofompofona rano mba hanehoana ny rano manakaiky izany. DH: "na dia rano kely monja aza no akaikiny"
"hanomboka haniry izany"
Fisandrahan'ny zava-maniry dia maampiseho sampana mitsiry eny amin'ny hazo. DH: "ary ny sampana hanomboka hitsiry eo amin'izany tahaka ny zava-maniry"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisana fa rehefa maty ny olona iray, dia tsy eo izy. DH: "ary tsy misy mahalala izay misy azy" na "ary lasa izy"
Ny fahafatesana izay tsy azo sakanana dia ampitahaina amin'ny rano izay ritra sy tsy afaka miverina.
Ireo andian-teny roa ireo dia manoritsoritra eritreritra mitovy sy miveimberina mba hanamafisana fa ny fahafatesana no fiafarana.
Ny fandriana dia maneho fahafatesana. DH: "toy izany ny olona maty"
Ny fifohazana indray dia mampiseho fahavelomana indray. DH: "ary tsy velona intsony"
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary ampiasaina miaraka mba hanamafisana fa ny fahafatesana no fiafarana. Ny fatoriana dia mampiseho fahafatesana ary ny fifohazana dia mampiseho fahavelomana indray. DH: "ny olona maty dia tsy ho velona intsony na hifoha amin'ny fahafatesana"
Manohy ny firesahany aminAndriamanitra i Joba
Io dia fihetsem-po izay maneho fa i Joba maniry mafy kanefa tsy dia manantena firy ny fitrangan'izany. DH: "Tiako raha afeninao aho"
"manidy ahy" na "manafina ahy"
Mahatadidy olona dia fomba fiteny izay midika ny fieritreretana mahakasika azy. DH: "ary mba hieritreritra azy avy eo" na "ary mba atsiarovana ahy" (UDB)
Ny valin-teny miafina dia "tsia." DH: "raha maty ny olna iray, dia tsy ho velona intsoony izy"
Ny andian-teny "ny fotoam-paharerahako" dia mampiseho ny faharetan'ny fotoana hampareraka an'i Joba. DH: "mba hiandry nhy fotoako rehetra any na dia ho reraka aza aho"
Ny anarana "fanafahan" dia azo seho amin'ny matoanteny "afaka." DH: "mandra-pahatongan'ny fotoana hanafahana ahy" na "mandra-panafahanao ahy"
Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny: Manohy ny firesahany aminAndriamanitra i Joba.
"hanohina aho"
Ny anarana "faniriana" dia azo adika amin'ny matoanteny "maniry" na "mitady" DH: "haniry Ianao" na "hitady ahy ianao"
Eto, ny tanan'Andriamanitra dia mampiseho ny fanaovany zavatra. Joba dia manondro ny tenany ho asan'ny tanan'Andriamanitra. DH: "ahy, izay namboarinao"
Ireo matoanteny roa ireo miaraka dia maneho fihetsika iray. DH: "Miahy tsara"
Ny "dia" dia mampiseho ny fiainany na ny zavatra ataony. DH: "ny fiainako" na "ny zavatra ataoko"
Ireo andalana telo ireo dia maneho eritreritra mitovy ary ampiasaina miaraka mba hanamafisany ny fahatokisany fa Andriamanitra dia hamela azy.
Ny fitazomana ny fahotan'i Joba dia maneho ny fiheverana ny fahotany. DH: "tsy hijery ny fahotako ianao" na "tsy hisaina ny fahotako ianao"
Fanafenana zavatra meloka mba tsy hita dia mampiseho ny fandavana ny hieritreritra izany. DH: "Hanafina ny heloko Ianao" na "tsy hiraharaha ny heloko Ianao"
Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny: Manohy ny firesahany aminAndriamanitra i Joba
"lasa tsinontsinona"dia fomba fiteny izay midika fahpotehana tanteraka. Io andian-teny io dia itarina amin'ny teny "mianjera" ary manamafy ny fahapotehana tanteraka. DH: "mianjera tanteraka ny tendrombohitra"
"mikodiadia avy eo amin'ny toerany ny vatolampy"
Raha mora kokoa amin'ny teninao, dia azonao apetraka any am-piandohan'ny andininy faha 18 ary ahitsy araka ny lahatsoratra. DH: "Mamotika ny fanantenan'ny olona Ianao, toy izany.... vovoky ny tany."
Ny famotehana fanantenana dia mampiseho ny zavatra antenain'ny olona ho tsy mitranga. DH: "Manakana ny fanantenan'ny olona mba tsy hitranga Ianao"
Ny anarana "fanantenana" dia azo aseho amin'ny matoanteny "manantena" DH: "ireo zavatra izay antenain'ny olona"
Manohy ny firesahany aminAndriamanitra i Joba
Ny teny "azy" dia mampiseho olona. DH: "mandresy olona mandrakariva Ianao" na "mandresy vahoaka mandrakariva Ianao"
Ny fahalasanana dia mampiseho fahafatesana. DH: "Maty izy"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny fanaintainana mialohan'ny hampiketronan'ny fahafatesana ny tavany mihitsy na 2) rehefa maty ny olona iray, dia ataon'Andriamanitra hafahafa ny tavany.
Io dia mampiseho ny famelana azy ho faty.
Ny fanetrena dia mampiseho fahamenarana. DH: "Raha afa-baraka izy ireo" na "raha menatra izy ireo"
1 Dia namaly Elifaza ilay Temanita ka nanao hoe: 2 "Tokony hamaly amin'ny fahalalana tsy misy dikany ve ny olon-kendry iray ka hameno ny tenany amin'ny rivotra avy any atsinanana? 3 Tokony handahatra amin'ny teny tsy mahasoa ve izy na amin'ny lahateny izay tsy hanasoavany akory? 4 Eny tokoa, mampietry voninahitr'Andriamanitra ianao; manaisotra ny fanoloran-tena ho Azy ianao, 5 fa ny helokao no mampianatra ny vavanao; mifidy ny hanana ny lelan'ny olom-petsy ianao. 6 Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy ny ahy; ny molotrao ihany no miampanga anao. 7 Moa ianao no olona teraka voalohany? Moa natao nisy talohan'ireo havoana angaha ianao? 8 Moa ve efa nandre ny fahalalana miafin'Andriamanitra ianao? Moa feranao ho amin'ny tenanao ihany ny fahendrena? 9 Inona no fantatrao izay tsy fantatray? Inona no takatrao izay tsy aminay ihany koa? 10 Samy miaraka aminay ireo fotsy volo sy ireo lehilahy voky taona izay antitra mihoatra noho ny rainao. 11 Moa kely loatra ho anao ny fampiononan'Andriamanitra, dia ireo teny malefaka aminao? 12 Nahoana no mitondra anao hivily ny fonao? Nahoana ianao no mipipi-maso, 13 hany ka mihodina amin'Andriamanitra ny fanahinao ka mamoaka teny toy izany avy amin'ny vavanao? 14 Inona moa ny olona no tokony hadio? Inona moa izay natera-behivavy no tokony ho marina? 15 Indro, Andriamanitra dia tsy mametraka fitokisana na dia amin'ireo masiny aza; eny tokoa, tsy madio eo imasony ny lanitra; 16 mainka fa ny hakelin'ny fahadiovanao izay maharikoriko sy ratsy toetra, lehilahy misotro heloka tahaka ny rano! 17 Hasehoko anao; mihainoa ahy; hanambara aminao ireo zavatra izay hitako aho, 18 ireo zavatra izay nampitain'ny olon-kendry avy tamin'ireo rainy, ireo zavatra izay tsy mba nafenin'ny razambeny. 19 Ireo no razan'izy ireo, izay hany nomena ny tany, ary izay tsy mba nandalovan'ny vahiny mihintsy. 20 Ny olona ratsy fanahy dia mijaly am-panaintainana amin'ny androny rehetra, izay isan'ny taona napetraka hijalian'ny mpampahory. 21 Misy feon'horohoro eo an-tsofiny; raha hambinina izy, dia ho avy aminy ny mpandringana. 22 Tsy mihevitra izy fa hiverina avy ao amin'ny aizina; miandry azy ny sabatra. 23 Mandeha any amin'ny toerana isan-karazany izy mba hitady mofo, manao hoe: 'Aiza izany?' Fantany fa antomotra ny andron'ny fahamaizinana. 24 Mampatahotra azy ny fahoriana sy ny fangirifiriana; fa mandresy azy izy ireo, tahaka ny mpanjaka vonon-kiady. 25 Satria naninjitra ny tanany hanohitra an'Andriamanitra izy ary nieboebo nanohitra ilay Tsitoha, 26 dia mihazakazaka mankany amin'Andriamanitra amin'ny fahamafisan-katoka izany lehilahy ratsy fanahy izany, miaraka amin'ny apinga matevina. 27 Marina izany, na dia nanafina ny tavany tamin'ny taviny sy namory tavy ho an'ny valahany aza izy, 28 ary nonina tao amin'ny tanàna lao; tany amin'ny trano izay tsy misy mipetraka ankehitriny ary izay efa vonona ny ho natao korotam-bato. 29 Tsy hanan-karena izy; tsy haharitra ny hareny; na ny alokany aza dia tsy haharitra eto an-tany. 30 Tsy hivoaka avy ao amin'ny aizina izy; [1] hisy afo handevona ny mololony; ary amin'ny fofonaina avy amin'ny vavan'Andriamanitra no halasàny. [2]31 Aoka izy tsy hatoky zava-poana, ka hamitaka ny tenany; fa ny zava-poana no ho valisoany. 32 Hitranga mialohan'ny tokony hahatongavan'ny fotoana hahafatesany izany; ary tsy ho maitso ny sampany. 33 Hanintsana ny voa tsy matoiny tahaka ny voaloboka izy; ary hampiraraka ny voniny tahaka ny hazon'oliva. 34 Fa ny antokon'ny mpaniratsira dia ho momba; handevona ny lain'ny kolikoliny ny afo. 35 Sompatra no torotoroniny ary heloka no haterany; fitaka no torotoronin'ny kibon'izy ireo."
Io dia anran-dehilahy. Olona avy any Temana dia fantatra amin'ny hoe Temanita. Adikao toy ny ao amin'ny 2:11.
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Elifaza mba hitenenana mafy an'i Joba. Io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "tsy tokony hamaly amin'ny fahalalana tsy misy dikany ny olon-kendry na hameno ny tenany amin'ny rivotra avy any atsinana"
Ny rivotra dia mampiseho fahafoanana. Io andian-teny io dia miresaka olona miteny zava-poana sy teny tsy misy dikany izay olona feno rivotra. DH: "Mameno ny tenany amin'ny teny foana" na "teny tsy misy dikany ihany no hanany"
"rivotra mafana" (UDB) na "rivotry ny efitra"
Mampiasa io teny fampisainana io mba hitenenana mafy an'i Joba. Io dia azo adikaho fanambarana. DH: "tsy tokony hifandahatra amin'ny resaka tsy mahasoa izay tsy hanasoavany akory izy" na "tsy tokony hiady hevitra amin'ny resaka tsy mahasoa na fanaovaona lahateny izay tsy manatanteraka fanasoavana izy"
"mamotika" na "manafoana"
"manetry" na "manala"
"fisaintsainana"
Io fanoritsoritana "heloka" io dia resahina toy ny hoe misy mpampianatra ary ny vavan'i Joba dia soritana toy ny hoe fianarana. Io dia midika fa ny lahateniny dia misy fiantraikany tanteraka amin'ny helony. DH: "ny helokao dia trahaka ny mpampianatra ary nhy vavanao dia tahaka ny mpianany" na "fa noho'ny fahotanao no hireshanao ny fahazaranao"
Io miresaka an'i Joba, saingy manondro ny "vavany" miampy ny fanamafisana izay lazainy. DH: "miteny ianao" na "miteny izay teneninao ianao"
Ny fanondroana ny fomban'ny olom-petsy dia miresaka ny "lelany." DH: "miteny amin'ny fomban'ny olom-petsy"
"fitaka"
Io dia manondro an'i Joba sy Elifaza amin'ny alalan'ny "vava"n'izy ireo sy mba hanamafisana izay lazain'izy ireo. DH: "voahelok'izay lazainao ianao, fa tsy tsy izay lazaiko" na "manameloka ny tenanao amin'izay lazainao ianao , fa tsy izaho ny manameloka anao"
Io dia miresaka an'i Joba, saingy manondro ny "molony" mba hanamafisana izay lazainy. DH: "ny teninao ihany" na "miampanga ianao"
Isaky ny andalana dia fampitoviana izay mirakitra fanontaniana fampisaianana roa.
Ny valin-teny miafina eto dia "tsia". Io fanontaniana fampisainana io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "tsy ianao no olona teraka voalohany"
Ny valin-teny miafina eto dia "tsia". Io fanontaniana fampisainana io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "tsy nisy talohan'ny havoana ianao" na "tsy nampisy anao mialohan'ny hampisiany ny havoana Andriamanitra"
Ny valin-teny miafina eto dia "tsia". Io fanontaniana fampisainana io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Tsy mpbola naheno ny fahalalana miafin'Andriamanitra ianao"
Io fanontaniana fampisainana io dia manamafy fa tsy afaka mametra ny fahendrena ho amin'ny tenany izy. Io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "tsy afaka mametra ny fahendrena ho aminao ianao" na "tsy ianao irery no olon-kendry"
Ny valin-teny miafina eto dia "tsy misy." Io fanontaniana fampisainana io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "tsy misy zavatra fantatrao ka tsy fantatray" na "fantatray ihany ny zava-drehatra fantatrao"
Io dia miresaka ny olona manana fahazavan-tsaina toy ny hoe misy zavatra "ao anatin" izy ireo. DH: "takatray avokoa izay takatrao"
fotsy volo sy voky taona - Miresaka azy i Elifaza ary ireo olona hafa manana fahendrena amin'ny taom-pahanterana izay nianaran'izy ireo dia resahina toy ny hoe miaraka amin'izy ireo. DH: "efa nahazo fahendrena avy tamin'ny fotsy volo sy ny voky taona isika"
Ny andian-teny "fotsy volo" dia famariparitana ara-batana ny "olona efa tena antitra." DH: "Ny olona efa tena antitra izay fotsy volo."
Io dia fanitarana. DH: "antitra noho ny rainao"
Io fanontaniana fampisainana io dia fiampangana, miaraka amin'ny valin-teny miafina "eny." Io fanontaniana io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Mihevitra tokoa ianao fa kely loatra aminao ny fampiononan'Andriamanitra, ireo teny malefaka atao aminao"
"fampaherezana" na "fangorahana"
Ny "fo" eto dia mampisehony fihtsem-pon'ny olona. DH: "Nahoana no mitondra anao hivily ny fihetsem-ponao?" na "Nahoana no avelanao hibaiko ny fanapaha-kevitrao ny fihetsem-ponao?"
Mety manondro ny fahatezeran'i Joba io, indrindra indrindra ny fisehon'ny masony. DH: "Nahoana no tezitra ny masona" na "Nahoana ianao no tezitra"
Ny "fanahy" eto dia manondro ny tenan'ny olona iray manontolo. DH: "mihodina...ny tenanao"
Io dia mamaritra azy miteny. DH: "ary miteny zavatra masiaka manohitra azy ianao"
Ireo fanontaniana roa ireo dia mitovy amin'ny ankapobeny ary ampiasaina miaraka mba hanamafisana fa tsy mety tonga lafatra ny olona.
Io fanontaniana fampisainana io dia anontaniana mba hanamafisana fa ny olona tsy ho àry "hadio" tanteraka. Io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Ny olona iray, tsy ho àry hadio tanteraka izy."
Ny olona iray izay heverin'Andriamanitra fa azo ekena ara-panahy dia resahina toy ny hoe olona izay madio ara-batana.
Io fanontaniana fampisainana io dia anontaniana mba hanamafisana fa ny olona tsy ho àry "marina" tanteraka. Io ia azo soratana ho fanambarana. DH: "Ny olona izay natera-behivavy dia tsy ho àry marina tanteraka."
Ampiasaina io teny io eto mba hisariahana ny fihainoan'i Joba izay lazaina manaraka. DH: "henoy"
"ireo anjeliny" (UDB)
Ny zavatra izay heverin'Andriamanitra ho azo ekena ara-panahy dia resahina toy ny hoe madio ara-batana.
Ny "imaso" eto dia mampisho fitsarana na tomban-ezaka. DH: "amin'ny fitsarany"
Ireo teny roa ireo dia mitovy hevitra amin'ny ankapobeny ary manamafy ny haratsiam-panahin-draolombelona.
Io dia manoritsiritra ny heloka ho toy ny hoe rano azo sotroina. Mampitaha ny fanirian'ny olona hanao ratsy sy faniriany hisotro rano mangatsiaka. DH: "izay tia heloka tahaka ny fitiavan'izy ireo rano mangatsiaka" na "matetika manao asa ratsy tahaka ny fisotroan'izy ireo rano mangatsiaka" (UDB)
Io dia fomba fiteny. DH: "hazavaiko aminao" na "hatao mazava aminao izany"
"ho lazaiko anao"
Manamafy i Elifaza fa nampianata azy ireo tamin-tanjona ny razamben'izy ireo. DH: "Nampianatra ampahibemaso ny razamben'izy ireo"
"izay hany nomen'Andriamanitra ny tany"
Io dia midika fa tsy misy hafa firenena monina eo amin'izy ireo manokana, ka mba tsy ho voatariky fivavahan'ny mpanompo sampy izy ireo. DH: "tsy misy olona avy amin'ny firenena hafa tonga ka nahatonga azy ireo hihevi-dratsy momba an'Andriamanitra"
"miaina fanaintenana mafy." Io dia sady fanaintainana ara-batana na ara-pihetsem-po.
DH: "ny taona rehetra izay napetrakan'Andriamanitra"
Io dia fomba fiteny. DH: "izay voaomana" na "izay natokana"
"mahare feo mampitahotra azy foana izy"
Manohy mamaritra ny olona ratsy fanahy izay natombony nofaritana tao amin'ny 15:19 i Elifaza.
Eto, ny "sabatra" dia sarin-teny izay manondro fahavalo izay miandry ny olona ratsy fanahy. Ireo mety ho heviny dia 1) manahy izy sao hisy hamono azy. DH: "matahotra izy sao hisy hamono azy" na 2) azo antoka fa ho faty izy. DH: "misy miandry hamonao azy"
Eto, ny "mofo" dia manondo sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "hitady sakafo"
Io dia fomba fiteny. DH: "ny andron'ny loza" na "ny fotoam-pahafatesany"
Io dia fomba fiteny. DH: "ho avy tsy ho ela"
"mahery" na "maharesy"
Io dia mampitaha ny ny fomba nadresen'ny fahiriana sy fangirifiriana azy amin'ny mpanjaka, izay vonon-kiady hanohitra azy. DH: "tahaka ny mpanjaka, izay vonona ho amin'ny ady, hanohitra azy"
"namokona ny totohondriny hanohitra an'Andriamanitra izy.
Ny fihetsika mahery setra ataon'ny ratsy fanahy enti-manohitra an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe mihazakazaka mankany amin'Andriamanitra mba hanohitra azy izy. DH: "mamely an'Andriamanitra" na "manao fihetsika mahery setra manohitra an'Andriamanitra"
"miaraka amin'ny apinga mahery"
"izany" dia manondro ny ratsy fanahy mihazakazaka mankany amin'Andriamanitra tao amin'ny andininy teo aloha.
Io olona ratsy fanahy io dia faritana ho matavy sy malemy, raha mino ny tenany ho mahery tanteraka mba handresy an'Andriamanitra. DH: "malemy amin'ny tava matavy sy valahana matavy izy"
"izay nilaozana"
"faharavana" na "fako"
Ireo fanalefahan-kevitra roa ireo dia mampiseho ny mifanohitra amin'ny manan-karena, fa hahantra izy; hanjavona avokoa ny volany rehetra"
Io dia mamerina ny hevitra fa ny fananan'ny ratsy fanahy rehetra dia hanjavona avokoa. Ny fandikana hafa dia mamaky hoe: "tsy hiparitaka amin'ny tany harenany."
Ny fahamaizinana eto dia mampiseho fahafatsana. DH: "hivoaka ny haizin'ny fahafatesana" (UDB)
Ny afo eto dia mampiseho ny fitsaran'Andriamanitra ary ny fahamaizan'ny molony dia na ny fanjavonan'ny harenany, na ny hahafatesany. DH: "Hanaisotra izay rehetra hanany Andriamanitra, tahaka ny fanamainan'ny afo ny sampana mando amin'ny hazo"
Eto, ny "fofonain Andriamanitra dia mampiseho ny fitsarany. DH: "fofonain'Andriamanitra" na fitsaran'Andriamanitra"
Io dia mampiseho ny fahafatesany. DH: "hahafatesany"
Ny teny tsy feno dia azo tovanana. DH: "fa raha matoky azy ireo izy, dia ho zava-poana no ho valisoany"
Ny olona toa hasatra sy maty dia resahina toy ny hoe taho na sampana maina izy. DH: "ho toy ny maty izy, tahaka ny sampan-kazo maty izay tsy maitso intsony"
Ireo andalana roa ireo dia manome sary mitovy, izay averimberina mba hanamafisana fa tsy maintsy hitranga izany.
Resahina toy ny hoe voaloboka manintsana voa tsy matoy ny olona ratsy fanahy izay miha malemy sy maty. DH: "tahaka ny voaloboka manintsana voa tsy matoy, no hanintsanan'ny ratsy fanahy ny heriny"
Resahina toy ny hoe hazo oliva mandraraka vony ny olona ratsy fanahy miha malemy sy maty. DH: "tahaka ny hazo oliva mandraraka vony, no hahaverezan'ny ratsy fanahy ny heriny"
"vondron'ny mpaniratsira"
Ny andian-teny " lain'ny kolikoly" dia midika fa nividy lay tamin'ny ola avy tamin'ny kolikoly ny olona ratsy fanahy. DH: "Ny lay izay novidin'izy ireo tamin'ny kolikoly dia ho main'ny afo"
Miverina in-telo ny eritreritra iray mba hanamafisana hamaron'ny ratsy ataon'ireo olona ireo. Ny olona mikasa ny hanao zava-dratsy sy manao izany dia resahina toy ny hoe olona mitoe-jaza sy miteraka ireo zavatra ireo toy ny vehivavy miteraka zazakely. DH: "Mikasa ny fisomparana izy ireo ary manao zava-dratsy; mikasa ny hamitaka ny hafa foana izy ireo"
Eto, ny "kibo" dia enti-manondro ny olona mba hanamfisana ny vohoka, toy ny kibo mitondra vohoka. DH: "mitoe-jaza"
1 Ary namaly i Joba ka niteny hoe: 2 "Efa nahare zavatra tahaka izany maro aho; mpampionona mahonena avokoa ianareo. 3 Mba hisy fiafarany ve ireo teny tsy misy fotony? Inona no olanao no dia mamaly tahaka izao ianao? 4 Afaka miteny tahaka anareo ihany koa aho, raha ianareo no teo amin'ny toerako; afaka manangona sy manambatra teny aho entina hanoherana anareo ary hanifikifika ny lohako aminareo amin'ny eso. 5 Eh, te-hankahery anareo amin'ny vavako aho! Endrey ny ho fanamaivanan'ny fampiononan'ny molotro ny alahelonareo! 6 Raha miteny aho, dia tsy mihena ny alaheloko; raha mangina kosa aho, ahoana no hanampiana ahy? 7 Fa ankehitriny, ry Andriamanitra, dia novizaninao aho; noravanao ny fianakaviako manontolo. 8 Nohamaininao aho, izay vavolombelona manohitra ahy ihany; nitsangana hiampanga ahy ny fahiazan'ny vatako, ary vavolombelona manohitra ny tavako izany. 9 Tao anaty hatezerana no namotehan'Andriamanitra sy nanenjehany ahy; nihidy vazana tamiko Izy; dia nanondro maso ahy ny fahavaloko raha mbola nandrava ahy Izy. 10 Nisanasana vava tamiko ny olona; nofelahan'izy ireo tamin'ny fanomezan-tsiny ny takolako; niara-nivondrona hanohitra ahy izy ireo. 11 Atolotr'Andriamanitra eo amin'ny olona mpaniratsira aho, ary atsipiny eny an-tanan'ny olona ratsy fanahy. 12 Nilamina aho, dia nopotehiny. Eny tokoa, noraisiny tamin'ny tenda aho ary nakapony ho potipotika; nataony marika ho kendreny ihany koa aho. 13 Manodidina ahy ireo mpanipy zana-tsipìkany; tsindronin'Andriamanitra tsy hananany hantra ny voako; ararany amin'ny tany ny aferoko. 14 Velesiny hatrany hatrany ny rindriko; mihazakazaka manatona ahy toy ny mpiady Izy. 15 Nozairiko teo an-koditro ny akanjo fisaonana; efa nalentiko tao amin'ny tany ny tandroko. 16 Menan'ny tomany ny tarehiko; eo amin'ny hodimasoko ny aloky ny fahafatesana 17 na dia tsy misy herisetra aza ny tanako, ary madio ny fivavako. 18 Ry tany o, aza rakofana ny ràko; aoka tsy hanana toerana hitsaharana ny fitomaniako. 19 Na ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny vavolombeloko; any amin'ny avo ilay mpiantoka ahy. 20 Manesoeso ahy ireo namako, kanefa mandrotsa-dranomaso ho an'Andriamanitra ny masoko. 21 Mangataka izany vavolombelona tany an-danitra izany aho mba hiady ho an'ity lehilahy ity eo amin'Andriamanitra toy ny ataon'ny olona amin'ny mpiara-belona aminy aho! 22 Fa afaka taona vitsivitsy, dia ho any amin'ny toerana iray izay tsy hiverenako intsony aho.
"mampahonena ahy kokoa ianareo rehetra, raha tokony hampionona ahy"
Mampiasa i fanontaniana fampisainana io i Joba mba hanehoany fa maniry azy ireo hanatsahatra ny fitenenana tsy misy fotony izy. Io fanontaniana io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Akory ny fanairiako ny hanatsaharana ireo teninareo tsy misy fotony!"
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Joba mba hitenenana mafy an'i Elifaza. Eto, ny teny hoe "ianao" dia manondro an'i Elifaza izay vao avy niteny tamin'i Joba. Io fanontaniana io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "ry Elifaza, atsaharo ny famalianao ahy tahaka izany!"
Ny fieritreretan'i Joba ny teny tsy misy fotony dia resahina toy ny hoe ny teniny dia zavatra kisendrasendra izay nangoniny sy natambany. DH: "Afaka misaina ny zavatra holazaina aho"
Io dia fihetsika maneho fandavana.
Ny teny hoe "eso" dia azo aseho amin'ny matoanteny. DH: "maba hanesoana anao"
Eto, i Joba dia miresaka an'eso sy ary zavatra mifanohitra amin'izay lazainy no tiany holazaina. DH: "tsy ho fankaherezana ho anao mihitsy ny teniko" Tsy hanamaivana ny alahelonao mihitsy ireo" na "amin'ny fitenenana anareo araka ny nitenenanareo tamiko teo aloha, dia tsy hankahery anareo na hanamaivana ny alahelonareo aho!"
Ny "vavan'i Joba" dia mampiseho izay lazainy. DH: "amin'izay lazaiko"
Io dia manondro ny teny fampiononana izay lazainy. DH: "ny teny fampiononako"
Ny alahelo dia resahina toy ny hoe entana mavesatra. DH: "hanamaivana ny alahelonareo" na "hanampy anareo hahtsiaro maivana alahelo"
Niaina fahaverezam-pianakaviana sy fahasalamana mafy i Joba izay tsy hay hazavaina sy miteraka "alahelo mafy sy fanaintainana ara-tsaina" ho azy.
Mampiasa io fanontaniana faùmpisaianana io i Joba mba hanehoany fa ny fahanginana dia tsy manamaivana ny alahelony. Io fanontaniana io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "tsy manampy ahy mihitsy izany."
"nanapotika ny fiakaviako rehetra" (UDB)
Midika io fa nifezaka sy nikentronja ny vatan'i Joba. DH: "nofezahinao ny vatako"
Ny fikentronana dia faritan'i Joba ho toy ny hoe mpanameloka manohitra azy. DH: "ary heverin'ny olona fa maneho ahy ho mpanota izany" (UDB)
Ny fahiazan'ny vatany dia faritan'i Joba toy ny hoe mpanameloka hanohitra azy. DH: "Itan'izy ieo ny fahazan'ny vatako, ary mihevitra fa manaporofo ny maha meloka ahy izany"
Eto, Joba dia tondroina amin'ny alalan'ny "tavany." DH: "manohitra ahy"
Ny fampanaintain'Andriamanitra an'i Joba dia resahina toy ny hoe bibidia ka i Joba no hazany izay novonoiny. DH: "satria tezitra mafy amiko Andriamanitra, dia noheverina ho bibidia izay mandriatra ny vatako amin'ny nifiny izy satria izy no fahavaloko"
Manondro an'Andriamanitra ho "fahavalony" i Joba araka ny namaritany ny fampanaintainana mafy nataony azy.
Io dia fomba fiteny. DH: "mivandravandra amiko"
Ny "misanasana" dia midika ho mijery amim-pahatalanjonana no sady midanaka vava.
Ireo andalana roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Ny fitambaran'ireo dia manamafy ny fihesem-pon'i Joba izay efa nofitahin'Andriamanitra.
Io dia fomba fiteny. DH: "nametraka ahy ho eo ambany fahefan'ny "
Eto, ny "tanan'olona" dia manondro ny "fifehezany." DH: "nanolotra ahy teo amin'ny fifehezana"
Miresaka ny fanintainany sy ny fahadisoam-panantenany ho toy zavatra potipotika i Joba. DH: "kanefa avy eo dia tsapako ho toy ny hoe namotika ahy Izy"
Miresaka ny fampanaintainana sy fahadisoam-panantenana nataon'Andriamanitra taminy toy ny hoe zavatra izay nalain'Andriamanitra ary nakapokapony ho potipotika i Joba. DH: "toy hoe nandray ahy tamin'ny vozoko Andriamanitra ary namotipotika ahy"
Joba dia miresaka ny tenany ho tarigetran'ny fanafihan'Andriamanitra toy ny hoe mametraka azy ho zava-kendrena hotifirina amin'ny tsipìka. DH: "toy ny hoe nametraka ahy ho zava-kinedry izy"
Joba dia miresaka ny tenany ho tarigetran'ny fanafian'Andriamanitra ho toy ny hoe nametraka azy ho zava-kendrena ary manana tsipìka hamelezana azy Andriamanitra. DH: "toy ny hoe nanodidina ahy mpanipy zana-tsipìkany"
Miresaka ny fanaintainana tsapany amin'ny alan'ny fampitahana izany amin'ny fanindronan'Andriamanitra ny tenany amin'ny tsipìka i Joba. Ny "Andriamanitra" eto dia mampiseho ny tsipìka hitifirany. DH: "tsapako ho toy ny nanindrona ny voako sy ny atiko ary nandratraka ny aferoko tamin'ny tany ny tsipìkan'Andriamanitra. Tsy mihantra ahy Izy"
Miresaka ny fanaintainana izay tsapany amin'ny alalan'ny fampitahana ny tenany amin'ny rindrina izay potehin'Andriamanitra i Joba. DH: "Tsapako ho toy rindrina izay potehin'Adriamanitra aho" na "tsapako ho toy ny rindrina ravan'Andriamanitra aho"
Soritan'i Joba ho toy ny miaramila mamely azy Andriamanitra. DH: "toy ny hoe mpiady mihazakazaka manatona ahy mba hanafika ahy Izy"
Miresaka ny fiankanjoana akanjo vita tamin'ny lamba fisaonana ho toy ny hoe akanjo mirikitra amin'ny tenany i Joba. Mitafy akanjo fisaonana ny olona mba hanehoana fisaonana na alahelo mafy. DH: "nozairiko nitambatambatra ny akanjo fisaonana mba hiakanjoako ho fitafiako" na "miakanjo fitafiana izay namboariko tamin'ny akanjo fisaonana aho satria misaona"
Ny "tandrok'i Joba" dia mampiseho ny hery sy ny fahefana izay nananany tany aloha saingy tsy misy intsiny ankehitriny. DH: "Mipetraka eto amin'ny loto aho, btena ketraka" (UDB)
Ny mason'i Joba eto dia aseho amin'ny alalan'ny "hodi-masony." Miresaka ny ny masony maloka toy ny hoe maso mijery olona maty i Joba. DH: misy faribolana maizina manodidina ny masoko" na maizina ny masoko, tahaka ny mason'ny olona maty"
Ny "tanana" eto dia mampiseho ny fahafahan'ny olona iray sy ny asany. DH: "Tsy nanao fihetsika mahery setra aho"
Miteny mivantana amin'ny tany i Joba na dia tsy afaka mandre azy aza izany, mba hanamafisana ny fanambarany. Omena toetra toy olona ny tany izay handrakotra ny ràny aorian'ny fahafatesany. DH: "tiaka raha mba tsy hampivonto ny tany ny ràko fa kosa hijanona eo ambonin'ny tany mba ho porofon'ny fomba nahafatesako"
Miresaka ny fahafatesan'ny tenany toy ny hoe hovonina izy. Eto, ny "rà" dia sarin-teny manondro ny fahafatesany. DH: "ry tany, rehefa maty aho, dia aza afenina ny fomba nahafatesako tsy ar-drariny" na "aza avela hiafina ny fahafatesako tsy ara-drariny"
Joba miresaka ny fanirian'ny olona rehetra hahalala izany niseho taminy toy ny hoe ny "tomaniny" dia olona izay tsy nitsahatra nijoro vaolombelona ny amin'ny izay zava-mitranga aminy ary tsy nitsahara mihitsy. DH: "Avelao hahale mahakasika izay niatra tamiko ny olona rehetra"
Matoky i Joba fa hisy olona hiresaka azy amin'Andriamanitra.
"vavolombelona"
Io dia fomba fiteny. DH: "any an-danitra" na "any amin'ny lanitra avo"
"manala baraka" na "maniratsira"
Mamaritra ny hamafin'ny fahatsapany alahelo i Joba. Eto izy dia manitatra ny habetsaky fotoana faharetan'ny fitomaniany amin'ny filazana ny ranomaso miraraka avy main'ny masony. DH: "dibo-dranomaso ny masoko rehefa mitomany"
Manondro ny tenany i Joba eto. "ho ahy"
"toy ny ataon'ny olona amin'ny mpiara-belona aminy." Mamaritra ny faniriany ny mba hitalahoan'ilay tokana any an-danitra ho azy.
Manondro ny tenany i Joba.
Eto dia manondro ny fahafatesany i Joba. DH: "Ho faty aho ka ho any amin'ny toerana iray"
1 Levona ny fanahiko, ary tapitra ny androko; efa vonona ho ahy ny fasana. 2 Azo antoka fa misy mpandrabiraby eto amiko; tsy maintsy hijery ny fihantsian'izy ireo lalandava ny masoko. 3 Manomeza antoka izao, aoka ho antoka ho ahy ianao miaraka amin'ny tenanao; iza koa no eto hanampy ahy? 4 Fa Ianao, ry Andriamanitra, nitana ny fon'izy ireo tsy ho amin'ny fahazavan-tsaina; noho izany, tsy hanandratra azy ireo ho amboniko Ianao. 5 Izy izay miampanga ireo namany tamin'ny valisoa; dia ho pahina ireo mason'ny zanany. 6 Nefa nataony ho ambetitenin'ny vahoaka aho; nororain'izy ireo ny tavako. 7 Pahina nohon'ny alahelo koa ny masoko; ny rantsam-batako rehetra dia mahia toy ny aloka. 8 Ireo olona mahitsy dia ho ankona amin'izany; ny olona tsy manan-tsiny handrisika ny tenany hanohitra ireo olona mpaniratsira. 9 Ny lehilahy marina dia hifikitra amin'ny lalany; izay manana tanana madio dia hitombo hery hatrany hatrany. 10 Nefa ho anareo rehetra, miavia eto izao; tsy hahita olona hendry eo aminareo aho. 11 Efa lasa ny androko; rava ireo fikasako, ary toy izany koa ireo fanirian'ny foko. [1]12 Ireo olona ireo, ireo mpaniratsira ireo, dia mamadika ny alina ho andro; akaikin'ny aizina ny mazava. 13 Satria mijery ny Fiainan-tsy hita toy ny tranoko aho; satria nampiely ny fandriako tao amin'ny aizina aho; 14 satria niteny tamin'ny lavaka aho hoe: 'Raiko ianao' ary tamin'ny kankana hoe: 'Reniko na anabaviko ianao', 15 dia aiza ary izany ny fanantenako? Raha ny fanantenako, iza no hahita izany? 16 Hidina miaraka amiko any amin'ireo vavahadin'ny Fiainan-tsy hita ve ny fanantenana rehefa midina any amin'ny vovoka isika?"
Manohy miteny i Joba.
Manondro ny tenany amin'ny alalan'ny "fanahy" i Joba mba hanamafisana ny fihetsem-po anaty. Resahiny toy ny hoe zavatra efa nampiasaina ny tsy fananany tanjaka intsony. DH: "levona aho" na "very avokoa ny heriko rehetra"
Manondro ny fiainana amin'ny "androny" i Joba. DH: "tapitra ny fotoako" na "ho faty tsy ho ela aho"
Io andian-teny io dia mamaritra ny "fasana" toy ny hoe olona izay mandray an'i Joba ho vahiny. DH: "tsy ho ela dia ho faty aho ka halevina"
"ireo izay manodidina ahy dia madrabiraby ahy"
"marina tokoa"
Manondro ny tenany amin'ny alalan'ny "maso" i Joba mba hanamafisana izay hitany. DH: "tsy maintsy hahita lalandava aho" na "tsy maintsy haheno lalandava aho"
"ny faniratsiran'izy ireo." Ny teny "fihantsiana" dia azo aseho amin'ny matoanteny. DH: "izy ireo izay mihantsy ahy" na "izy ireo, miezaka mampatezitra ahy"
Manomboka miresaka amin'Andriamanitra i Joba. Eto dia miresaka ny zava-misy aminy ho toy ny hoe tany am-ponja izy. Mangataka an'Andriamanitra mba hanome antoka mba hanafahana azy izy. DH: "Andriamanitra o, manomeza antoka ankehitriny mba ho afaka amin'ity gadra ity aho" na "mandoava mba ho fanafahana ahy amin'ny gadra"
Mampiasa io fanontaniana faùmpisainana io i Joba mba hanamafisana fa tsy misy olona hafa hanampy azy. Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "tsy misy olona hafa hanampy ahy"
Manohy miteny i Joba.
Ny teny "izy ireo" dia manondro ireo namany. Izy ireo dia tondroina amin'ny alalan'ny "fon'izy ireo" mba hanamafisana ny fihetsem-pon'izy ireo. DH: "nitazona azy ireo" na "nitazona ireo namako"
"tsy hamela azy ireo handresy ahy Ianao"
"olona izay"
"miampanga am-pitaka ny namany mba hahazoana tombontsoa" na "mamitaka ny namany mba hahazoana valisoa"
Ny zanak'olona eto dia ampitahaina amin'ny mason'izy ireo." Io andian-teny io dia mamaritra ny fijalian'ny zaza nohon'ny nataon-drainy na ny reniny. DH: "hijaly ny amin'izany ny zanany"
Manohy miteny i Joba.
Io dia midika fa miteny azy an'eso ny olona ary mampiasa ny anarany ho faniratsirana. DH: "Noho ny aminy, ataon'ny olona fanirtsirana ny anarako" na "noho ny amin'izy ireo, ataon'ny olona ambetinteny ny anarako"
"nororain'ny olona ny tavako." Eto amin'ity kolontsaina ity, ny fandrorana amin'olona dia fannevatevana goavana. Raha manana hevitra hafa ny fandroarana amin'ny kolontsainao, dia azona soratana amin'ny heviny hafa izany. DH: "manevateva ahy tokoa ny olona, amin'ny alalan'ny fandrorana amin'ny tavako"
Milaza ny fahitana ho toy ny "masony" i Joba. DH: "Miha matroka ny fahitako satria malahelo mafy aho" na "efa ho jamba nohon'ny alahelo ny masoko"
Ny aloka dia manana hatevina ary manify lalandava. Izany dia fanitarana ny hahiazan'ny ratsam-batan'i Joba. DH: "mahia be daholo ny ratsam-batako"
Io dia fiantsoana amin'ny ankapobeny mba hanamafisana fa ny tenany iray manontolo no mahia, fa indrindra ny tanany sy ny tongony. DH: " ny tanako sy ny tongotro"
"tohina" na "gaga"
"amin'ny alalan'izay nihatra tamiko"
Io dia fomba fiteny. DH: "ho ory nohon'ny" na "ho tezitra mafy amin'ny"
Manohy miteny i Joba.
Io dia fomba fiteny. DH: "hanohy hiaina amim-pahamarinana"
Io dia firesahana ny olona tsy manan-tsiny ho toy ny manana tanana madio. DH: "izy izay manao ny marina" na "izy izay tsy manan-tsiny"
Io dia tsy manondro hery ara-batana irery ihany fa ihany koa ny herin'ny sitrapo sy ny fihetsem-pon'ny olona.
miresaka an'i Elifaza, Bildada, ary Zofara i Joba.
Mitaona ireo namany mba hiady hevitra amin'izay voalazany. DH: "miavia eto ankehitriny, ka miadia hevitra amiko"
Manohy miteny i Joba.
Io dia fomba fiteny. DH: "Lasa ny fotoako" na "tapitra ny fiainako"
"tsy ho tanteraka mihitsy ny fikasako" na "tsy ho tontosa mihitsy ny fikasako"
Ny "fon'i Joba" eto dia manondro faniriany lehibe. DH: "toy izany koa ireo zavatra izay niriko indrindra"
Tsy manapitra ny teniny i Joba eto mba hanehoany fa tsy manana fanantenana ny amin'ny faniriany intsony izy. DH: "ny foko, tsy misy tanteraka izy ireo"
Ireo andia-teny roa ireo dia manondro olona mitovy ihany? izany hoe ireo naman'i Joba, dia i Elifaza, Bildada, ary Zofara. Ilay andian-teny faharoa dia manamafy ny toertra masiakan'izy ireo.
Ny fiheveran'ny olona ny alina ho andro dia resahina toy ny hoe manova ny alina ho lasa andro izy ireo izy ireo raha ny marina. DH: "Heverin'izy ireo ho antoandro ny alina" na " mifanohitra amin'ny marina ny lazain'izy ireo, toy ny alina mifanohitra amin'ny antoandro"
Azo tovanana ny teny tsy ampy. DH: "Heverin'izy ireo fa mifanakaiky ny aizina sy ny mazava" na " mihevitra izy ireo fa rehefa miha maizina, dia miha mazava"
Manohy miteny i Joba.
Ny "mijery" zavatra iray amin'ny fomba toy izany dia midika fa "misaina" izany amin'izany fomba toy izany. DH: "misaina ny Fiainan-tsy hita toy ny tranoko aho" na "ankehitriny heveriko ho toy tranoko ny Fiainan-tsita"
Ny fahavononan'i Joba ny ho faty eto dia resahina toy ny hoe mamelatra ny fandriany ao amin'ny aizina. DH: "efa nanomana ny tenako handeha ka handry ho isan'ireo maty"
Ireo andalana roa ireo dia fiovaovana eo amin'ny samy izy ary ampiasaina mba hanamafisana ny famoizam-pon'i joba.
"fasana"
Miresaka ny fanakaikezany tsy ho ela ny fasany i Joba amin'ny alalan'ny fampitahana izany amin'ny fanakaikezan'ny olona iray ny rainy. DH: "Akaiky ahy toy ny raiko ianao" na "Rehefa voalevina aho dia ho akaiky ahy toy ny raiko ianao"
Ny kankany dia zava-boaary madinika izay mihinana ny vatana rehefa maty.
Miresaka ny fanakaikezany tsy ho ela ny kankana ao am-pasany i Joba amin'ny alalan'ny fampitahana izany amin'ny fanakaikezan'ny olona iray ny reniny sy ny anabaviny. DH: "Akaiky ahy toy reniko sy ny anabviko ianao" na "Ho akaiky ahy toy ny reniko na ny anabaviko ianao"
Ny valin-teny miafina dia "tsy aiza tsy aiza," satria tsy manana fanantenana izy. Io fanontaniana fampisaianana io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "tsy manam-panantenana aho"
Io fanontaniana fampisainana io dia ampiasaina mba hanamafisana fa tsy misy manatena azy ho manana fanantenana. Io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Tsy misy mahita fanantenana ho ahy" na "tsy misy manantena ahy ho manana fanantenana intsony"
1 Avy eo i Bilidada ilay Sohita namaly ary niteny hoe: 2 "Rahoviana no hatsahatrao ny teninao? Diniho, ary aorian'izany dia hiteny izahay. 3 Nahoana izahay no heverina toy ny biby; nahoana izahay no nanjary adala eo imasonao? 4 Ianao izay mamiravira ny tenanao amin'ny fahatezaranao, tokony hahafoy ho anao ve ny tany sa tokony ho esorina eo amin'ny toerany ireo vatolampy? 5 Eny tokoa, ho vonoina ny fahazavan'ny olona ratsy fanahy; tsy hamirapiratra ny pitik'afony. 6 Ho maizina ny fahazavana ao an-dainy; ary ny jiro eo amboniny dia ho vonoina. 7 Hafohezina ny dingan'ny heriny; ny fikasany ihany no handrava azy. 8 Fa hifatratra anaty harato amin'ny alalan 'ny tongony ihany izy; ary hilatsaka anaty vela-pandrika iray izy. 9 Hisy fandrika hahazo azy amin'ny kitro; ary hihazona azy ny fandrika. 10 Misy fandrika iray miafina ho azy eo amin'ny tany; ary fandrika iray ho azy eo amin'ny lalana. 11 Hampatahotra azy ny fampihorohoroana amin'ny sisiny rehetra; hanenjika azy amin'ny kitrony izy ireo. 12 Hivadika hanoanana ny hareny, ary ho vonona eo anilany ny loza. 13 Ny ratsam-batany dia ho voarapaka; eny tokoa, ny voalohan-teraky ny fahafatesana dia handrapaka ny rantsany. 14 Voaviravira tsy ho amin'ny fiarovan'ny lainy izy ary hivoaka mankany amin'ilay mpanjakan'ny horohoro. 15 Ny olona izay tsy azy dia honina ao an-dainy aorian'ny hahitan'izy ireo fa niparitaka tao an-tranony ny solifara. 16 Ho maina avy any ambany ny fakany; ary eo ambony no hanapahana ireo sampany. 17 Ho foana eto an-tany ny fahatsiarovana azy; tsy hanana anarana eny an-dalana izy. 18 Ho entina avy amin'ny mazava ho any amin'ny aizina izy ary ho voaroaka eto amin'izao tontolo izao. 19 Tsy hanana zanaka na zafy eo amin'ny olony izy, na hanana sisa tavela amin'ireo fara-mandimby izay nijanonany. 20 Ireo izay monina any andrefana dia hiorin-koditra amin'izay hanjo azy indray andro any; ary ireo izay monina any atsinanana dia ho raiki-tahotra amin'izany. 21 Azo antoka fa tahaka izany ny tranon'ny olona tsy marina, dia ny toeran'ireo izay tsy mahalala an'Andriamanitra."
Miresaka amin'i Joba i Bildada ilay Sohita.
"Bildada dia anaran-dehilahy izay mpikambana ao amin'ny fokon'i Sohia.
Io fanontaniana fampisaianana io dia midika fa efa niresaka ela be i Joba. Mety soratana ho fanamarana io. DH: "Mangina!"
"Meteza ho tompon'andraikitra" na "hevero ireo zavatra ireo"
Manohy miteny i Biladada.
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Bildada mba hanamafisana fa fa tsy tokony hihevitra azy ireo ho bado i Joba. Miresaka amin'izy ireo amin'ny fiheverana azy ireo ho bado amin'ny alalan'ny fiantsoana azy ireo hoe"biby" i Joba. Io fanontaniana io dia azo soratana hoh fanambarana. DH: "tsy tokony hihevitra anay ho toy ny biby ianao." na "tsy tokony hihevitra anay ho bado tahaka ny biby izahay."
Ny teny "izahay" dia mety manondro an'i Bildada sy ireo naman'i Joba hafa.
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Bildada fa tsy tokony hihevitra azy ireo ho adala izy. DH: "Tsy adala araka ny fiheveranao anay izahay."
Eto, ny "imaso" dia mampiseho fitsarana na tomban'ezaka. DH: "eo amin'ny fitsaranao"
Bildada eto dia manambara fa nohon'ny fahatezeran'i Joba sy ny tsy fankatoavany no nandratra izy, fa tsy noho'ny fahatezeran'Andriamanitra araka ny niheveran'i Joba azy tany aloha. Ny teny "mamiravira" eto dia midika ho "mandratra." DH: "Ianao izay nahatonga ny ratranao noho'ny fahatezeranao"
Io fanontaniana fampisainana io dia milaza fa ny famelana an'i Joba, izay heverin'izy ireo ho olo-meloka, handeha an-kalalahana dia toy ny fanovana izao tontolo izao iray manontolo. Mampiasa ireo fanitarana goavana ireo i Bildada eto mba hanamafisana ny maha manafintohina ny fitenenana izany. Azo soratana ho fanambarana io. DH: "Ny fangatahana amin'Andriamanitra mba hamela anao, izay olo-meloka, handeha an-kalalahana dia fahadalana toy ny fangatahana ny tany mba hafoy noho ny aminao na toy ny famindran'Andriamanitra ny vato eo amin'ny toerany mba hahafaly anao!"
DH: "tokony handao ny tany ve ny olona rehetra"
Ny teny "vatolampy" ato dia manondro vato lehibe, tahaka ireo eny an-tendrombohitra. DH: "tokony hanala ny vatolampy avy eo amin'ny toerany ve Andriamanitra" na "Tokony hamindra ny tendrombihitra ve Andriamanitra"
Manohy miteny amin'i Joba i Biladada.
Miteny ny olona ratsy fanahy maty ho toy ny ny jiro notsofina i Bildada. DH: "Ny zavatra hiseho dia ho tapitra fiainan'ny olona ratsy fanahy tahaka anao toy ny famonoanay ny fahazavana na fanafoananay ny lelan'afo amin'ny vain'afo" (UDB)
DH: "ho lasa"
Manohy ny firesahany ny fahafatesan'ny olona ratsy fanahy i Bildada. Miresaka ny ratsy fanahy toy ny hoe fahazavana ao an-dainy izy. DH: "Ho tahaka ny fahazavana ao an-dainy miova ho fahamaizinana, tahaka fahalasanan'ny ny jiro eo amboniny"
Manohy ny famariparitany ny olona ratsy fanahy i Bildada.
Io dia miresaka ny olona ratsy fanahy misedra loza tampoka toy ny hoe tsy manana hery enti-mandeha intsony izy. DH: "Ho toy ny hoe tsy manana hery enti-mandeha intsony izy"
"ny heviny ihany no hamingana azy." Io dia miresaka ny olona ratsy fanahy miaritra loza toy ny hoe mianjera. DH: "ny fikasany ihany no hitondra azy ho any amin'ny loza"
"Ny tongony ihany no hitondra azy ho ao anaty harato" Mampiasa io sarin-teny io i Bildada mba hilazana fa ny lalana hiainan'ny olona ratsy fanahy ny fiainany dia hitondra azy ho any amin'ny loza tsy ampoizina. DH: "Ho toy ny ny mitondra ny tenany ho ao anaty harato, no hizorany mahitsy mankany amin'ny vela-pandrika"
Kofehy na tady izay tenonin'ny olona mba hahazoana harato. Ampiasain'ny olona mba hisamborana biby ny harato.
lavaka izay saromana rantsan-kazo sy ravin-kazo eo amboniny ka handeha eo ambon'ireo rantsana sy ravina ny biby iray ka dia ho latsaka ao anatin'ilay lavaka
Manohy miteny i Bildada ary mampiasa sarin-teny mitovy telo mba hanositsoritana ny fisedran'ny olona rasty fanahy loza tsy ampoizina.
Ireo andian-tenhy efatra ireo dai miresaka ny olona ratsy fanahy miaina anaty loza toy ny hoe tratran'ny fandrika izy. DH: "Ho toy ny hoe misy fandrika hahazo azy ...ny fandrika ...Misy fandrika iray ...ary fandrika iray ho azy eo amin'ny lalana"
Nampiasain'ny olona io karazana fandrika io io mba hisamborana vorona. Nandrapaka sy nanidy ary nifatotra eo amin'ny tongotr'ilay vorona.
Eto, ny "kitro" dia manondro ny tongotra iray manontolo. DH: "hihazona azy amin'ny tongony"
DH: "misy manafina fandrika amin'ny tany mba hisamborana azy"
vela-tady izay mandrapaka ny tongotry ny biby rehefa mamindra eo afovoan'ilay vela-tady ilay biby
Ny teny tsy ampy dia azo tovanana. DH: "ary misy fandrika iray miafina eo amin'ny lalana mba hisamborana azy" na "ary hisy olona hanafina fandrika mba hisamborana azy eny amin'ny lalany"
"Hampitahotra azy ny horohoro manodidina"
Io dia miresaka ny zavatra izay mampitahotra ny olona ratsy fanahy toy ny hoe misy fahavalo mihaza azy. DH: "Ny mpampihorohoro manodidina no hihaza azy"
Manohy ny fanoritsoritany ny olona ratsy fanahy i Bildada.
Io dia miresaka ny olona ratsy fanahy lasa mahantra sy mosarena toy ny hoe lasa zavatra hafa ny fanany. DH: "Ho tonga mahantra sy mosarena izy raha tokony ho mpanan-karena"
Ny andian-teny "vonona anilany" dia fomba fiteny izay midika fa misy zavatra mandrakariva eo. DH: "Ary hiaina loza mandrakariva izye" na "ary hahatandrina ny loza izy"
Io dia miresaka ny famotehan'ny aretina ny vatany toy ny hoe nisy biby izay nanafika sy nihinana azy. DH: "Hihinana ny hodiny ny aretina" na "handrava ny hodiny ny aretina"
Eto, ny aretina izay mamono olona maro dia tondroina toy ny hoe "voalohan-teraky ny fahafatesana." Io dia miresaka ny aretina mamotika azy toy ny hoe nisy biby izay nanafika sy nihinana azy. DH: "Areti-mahafaty no hamotika ny karazan-drantsam-batany"
Manohy ny fanoritsoritany ny olona ratsy fanahy i Bildada.
DH: "Hamiravira azy any ivelan'ny lainy, izay fiarovana ho azy izy"
DH: "ary mamoaka azy izany" na "manery azy handeha izany"
Io dia fanondroana ny "mpanjakan'ny fahafatesana," andriamanitry ny fanompoan-tsampy izay hinoana fa manapaka eo amin'ny maty. DH: "Ilay manapaka eo amin'ny maty" (UDB) na "ny mpanjakan'ny fahafatesana"
"olona izay tsy fianakaviany"
nampiasa solifara ny olona mba hanafoanana amin'ny aretina avy amin'ny olona maty. DH: "aorian'ny fanaparitahan'izy ireo ny solifara manerana ny tranony"
Manohy ny fanoritsoritany ny olona ratsy fanahy i Bildada.
Io dia miresaka ny olona ratsy fanahy maty sy tsy manana taranaka toy ny hoe hazo izay maina faka sy malazo rantsana ary tsy mamoa. DH: "Ho faty izy ary tsy hamela taranaka, ho tahaka ny hazo izay maina ny fakany ary malazo avoko ny rantsany rehetra"
DH: "Halazo ny rantsany"
Ireo andian-teny ireo dia manana hevitra mitovy ary ampiasaina miaraka mba hanamafisana ny tsy hahatsiarovan'iza n'iza azy aorian'ny fahafatesany.
Io dia miresaka ny "fahatsiarovana" ny olona ratsy fanahy toy ny hoe olona maty: "Tsy hisy na iza na iza eto an-tany ka hahatsiaro azy"
Io dia fomba fiteny. DH: "Tsy hisy amin'ireo mpandeha eny an-dalana akory hahatsiaro ny anarany"
Manohy ny fanoritsoritany ny olona ratsy fanahy i Bildada.
Ny fiarahan'ireo andian-teny ireo dia manamafy fa ny olona ratsy fanahy dia halefa any amin'ny Fiainan-tsy hita, toeran'ny maty.
DH: "Hitondra ny olona ratsy fanahy avy amin'ny mazava ho any amin'ny maizina Andriamanitra."
Ny teny "mazava" dia manondro fiaianana, ary ny teny "maizina " dia manondro fahafatesana. DH: "avy amin'ny fahazavan'ny fiaianana mankany amin'ny fahamaizinann'ny fahafatesana"
Io dia miresaka fandroahan'Andriamanitra hiala amin'ny tany azy ka mankany amin'ny amin'izay alehan'ny olona maty toy ny hoe nihaza azy. DH: "ary Andriamanitra hanala azy hiala amin'ity tany ity" na "ary Andriamanitra handefa azy any amin'ny toerana alehan'ny olona maty"
DH: "handroaka azy Andriamanitra"
Ny fiarahan'ireo andian-teny ireo dia manamafy fa tsy hanana fianakaviana na taranaka intsony izy.
"zanaky ny zanaka" na "zafikely"
"havana"
Ny andian-teny "any andrefana" sy ny "any atsinanana" miaraka dia entina hilazana ny olona rehetra izay mivelona n'aiza n'aiza. Io dia fanitarana toy ny hoe tsy ny olona rehetra eto an-tany no hahare mahakasika izay nitranga tamin'ny olona ratsy fanahy voafaritra iray. DH: "Ny olona rehetra amin'izao tontolo izao dia hivaraontsana sy hatahotra rehefa hitan'izy ireo izay mahazo ny olona ratsy fanahy iray" na "Olona maro izay miaina any atsinanana sy any andrefana no hivaraontsana sy hatahotra rehefa mahita izay mahazo ny olona ratsy fanahy iray"
Manohy ny fanoritsoritany ny olona ratsy fanahy i Bildada.
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy ny dikany ary manondro olona mitovy. Ireo olona ireo eto dia tondroina amin'ny alalan'ny toerana ipetrahan'izy ireo. DH: "ny olona tsy marina, ireo izay tsy mahalala an'Andriamanitra"
1 Dia namaly Joba ka nanao hoe: 2 "Hafiriana no hampijalianareo ahy sy hamotipotehinareo ahy amin'ny teny? 3 Tamin'izay nandatsanareo ahy impolo izay; tsy mba menatra nampahory ahy ianareo. 4 Raha tena marina tokoa fa efa nania aho, dia hijanona ho ahy irery ny fahadisoako. 5 Raha hanandratra ny tenanareo ho amboniko tokoa ianareo ary hampiasa ny fahafam-barakako hanohitra ahy, 6 dia tokony ho fantatrareo fa Andriamanitra efa nanao ny tsy nety tamiko ary nahatratra ahy tamin'ny haratony. 7 Indro, mitaraina aho hoe: "Herisetra!" nefa tsy mahazo valiny aho. Niantso vonjy mafy aho, saingy tsy nahazo rariny. 8 Nasiany rindrina ny lalako mba tsy hahafahako mandeha, ary nametraka ny aizina teo amin'ny lalako Izy. 9 Nesoriny tamiko ny voninahitro, ary efa nanaisotra ny satro-boninahitra tamin'ny lohako Izy. 10 Efa namotika ahy tamin'ny zorony rehetra Izy, dia lasa aho, nongotany tahaka ny hazo ny fanantenako. 11 Nampirehetiny tamiko ihany koa ny fahatezerany; raisiny tahaka ny iray amin'ireo fahavalony aho. 12 Miara-tonga ireo tafiny; manangana dongon-tany hanafihana ahy izy ireo ka mitoby manodidina ny laiko. 13 Nanaisotra ireo rahalahiko lavitra ahy Izy; nihafahafa tamiko tanteraka ireo olom-pantatro. 14 Nahafoy ahy ireo havako; efa nanadino ahy ireo namako akaiky. 15 Ireo izay nijanona mba ho vahiny tao an-tranoko fahizay sy ireo mpanompo vaviko dia mandray ahy toy ny tsy olom-patatra; vahiny aho eo imason'izy ireo. 16 Miantso ny mpanompoko aho, nefa tsy namaly ahy izy na dia miangavy azy amin'ny vavako aza aho. 17 Manafintohina ny vadiko ny fofonaiko; maharikoriko ireo izay nateraky ny kibon'ny reniko mihintsy aza aho. 18 Na ireo ankizy aza manao tsinontsinona ahy; raha mitsangana hiteny aho, dia miteny manohitra ahy izy ireo. 19 Ireo namako nahazatra rehetra dia mankahala ahy; nivadika tamiko ireo izay tiako. 20 Miraikitra amin'ny hoditro sy ny nofoko ny taolako; ny hany ivelomako dia amin'ny hoditry ny nifiko. 21 Manàna famindram-po amiko, manàna famindram-po amiko, ry namako, satria ny tanan'Andriamanitra dia efa nikasika ahy. 22 Nahoana ianareo no manenjika ahy tahaka ny hoe ianareo no Andriamanitra? Nahoana no tsy afa-po amin'ny fandevonana ny nofoko ianareo? 23 Eh, enga anie ka ho voasoratra ny teniko ankehitriny! Eh, enga anie ka ho voarakitra ao anaty boky ireny! 24 Eh, enga anie ka ho voasokitra amin'ny penina vy sy firaka eo amin'ny vatolampy mandrakizay ireny! 25 Nefa raha ny amiko, fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ary any am-parany dia hitsangana eo amin'ny tany Izy; 26 aorian'izany ny hoditro, izany hoe, ity vatana ity, dia potika, ary dia ao amin'ny nofoko no hahitako an'Andriamanitra. 27 Hahita Azy amin'ny masoko mihintsy aho—Izaho, fa tsy olon-kafa. Efa sasa-miandry izany ny foko ato anatiko ato. 28 Raha hoy ianareo hoe: 'Ahoana no hanenjehantsika azy! Ny fototr'ireo fahoriany dia ao aminy,' 29 ary matahora ny sabatra, satria ny fahatezerana dia hahatonga famaizana amin'ny sabatra, mba hahafantaranareo fa misy ny fitsaràna."
Miresaka amin'ireo namany telo i Joba.
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hitarainany ny amin'ny fitondran'ireo namany azy. DH: "Atsaharo ny fampijaliana ahy sy ny famotipotehana ahy amin'ny teny."
Mampiasa io sarin-teny io i Joba mba hilazana fa ny tenin'izy ireo dia mahatonga azy halahelo sy tsy hanana fanantenana. DH: "ary mampijaly ahy amin'ny teninareo"
Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.
Ny andian-teny "impolo" dia manondro fa efa niteny mafy an'i Joba tanteraka ireo namany. DH: "efa nandatsa ahy tanteraka ianareo" na "efa imbetsaka ianareo no nandatsa ahy"
Miteny mafy azy ireo ny amin'izany i Joba. DH: "Tokony ho menatra ianareo ny amin'ny nitondranareo ahy tamin'ny fomba tsy mendrika"
"efa nanao tsinontsinona ahy" na "efa naneso ahy ampahibemaso"
"efa nanota tsy nahy" na "nanota tsy fidiny"
"ny fahotako" na "ny fahadisoako"
Te hilaza i Joba fa ireo namany dia tsy tompon'andraikitra ny amin'ny fanohizana ny fitenenana mafy azy. DH: "andraikitro ny fahadisoako, tsy tokony hanohy ny fitenenana mafy ahy ianareo noho izany" na "tsy nandratra anareo ny fahadisoako, noho izany dia tokony hatsahatrareo ny fitenenana mafy ahy"
Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.
"Raha mihevitra ianareo fa tsara kokoa noho izaho" na "satria ianareo manao fihetsika fa tsara kokoa noho izaho"
Ny fanaovan'izy ireo izany dia azo lazaina mazava. DH: "ary mihevitra fa ny fahafaham-barakako no porofo manohitra ahy" na "ary mampiasa ny fahafaham-brakako ho porofo fa fa meloka aho"
Resahin'i Joba toy ny hoe Andriamanitra no mpihaza nahazo azy tamin'ny haratony. Io fanoharana io dia mampiseho ny fifehezan'Andriamanitra an'i Joba sy ny fahatsapany ny tsy fahafaha-manoatra. DH: "efa nahavoafandrika ahy" na "efa nadray ny fifehezana ahy" na " "efa nifehy izay mihatra amiko, koa dia tsy afa-manoatra aho
Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.
Ny teny "indro" eto dia ampiana mba hanamafy izay manarak". DH: "eny tokoa"
Io dia fiantsoana vonjy. Azo lazaina mazava io. DH: "Herisetra! Vonjeo!" na "misy manafika aho!"
"niantso vonjy" na "nila vonjy"
Ny anarana "rariny" dia azo adika miaraka amin'ny andian-teny. DH: "saingy tsy misy miaro ahy amin'ireo manao ratsy ahy"
Mampiasa io sarin-teny io i Joba mba hilazana fa efa nanao azy ho tsy afa-manoatra sy tsy manana fanantenana Andriamanitra.
"nanisy rindrina teo amin'ny lalana izay andehanako Andriamanitra" na "nosakanany ny lalana mba tsy hahafahako mandeha"
Mampiasa io sarin-teny io i Joba mba hilazany fa nalain'Andriamanitra tsy ho eo aminy ny lazany, ny hareny, ary ny fanambinana.
Resahin'i Joba toy ny hoe akanjo azo endahina ny voninahiny "Nendahiny tamiko ny voninahitro"
Ny satro-boninahitra dia manondro ny haja na voninahitr'i Joba. DH: "Nesoriny tamiko ny hajako" na "toy ny hoe nesoriny tsy ho eo amin'ny lohako nysatro-boninahitro"
Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.
Joba dia mitresaka ny famotehan'Andriamanitra azy ho toy ny hoe nisy trano izay nopotipotehin'Andriamanitra. DH: "efa namotika ahy tamin'ny fomba rehetra izy" na "nanafika ahy tamin'ny fomba rehetra izy"
ny "fahalasanana" dia mampiseho fahapotehana tanteraka. DH: "ary potika tanteraka aho"
Ny fanaovan'Andriamanitra azy ho tsy manana fanantenana dia resahin'i Joba toy ny hoe hazo ary nongotan'Andriamanitra niaraka amin'ny fakany avy ao anaty tany ny hazo iray, raha tokony ho tapahina. DH: "efa nanaisotra ny fanantenako rehetra izy" na "nohon'ny nataony no tsy hanantenako zavatra tsara intsony"
Resahin'i Joba toy ny hoe afo ny fahatezeran'Adriamanitra. DH: "Nandrehitra afo hanohitra ahy ihany koa Andriamanitra" na "lasa tezitra amiko ihanhy koa Andriamanitra"
"heveriny ho toy ny fahavalo aho"
Joba dia miresaka ny fanafihan'Andriamanitra azy toy ny hoe tanàna izy ka nandefa tafika hanafika izany Andriamanitra. DH: "mandefa ireo tafiny mba hanafika ahy Andriamanitra"
Joba dia miresaka ny fanafihan'Andriamanitra azy toy ny hoe tanàna izy ary ny tafik'Andriamanitra dia nanangana dongon-tany hanohitra ny rindrin'ny tanàna mba hianihan'izy ireo ny rindrina ka hanafika ny tanàna. DH: "nanao dongon-tany mba hianihany ny rindrina ireo miaramila"
Joba dia miresaka ny fanafihan'Andriamanitra azy toy ny hoe ao an-dainy izy ary ny tafik'Andriamanitra dia nitoby manodidina azy sy miomana ny hanafika azy. DH: "mitoby manodidina ny laiko izy ireo ary miomana ny hanafika ahy"
Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.
Ny "lavitra" olona dia mampiseho ny tsy fahavononana hifandray aminy na hanampy azy. DH: "Nataon'Andriamanitra nipetraka lavitra ahy ireo rahalahiko" na "nataon'Andriamanitra nandà tsy hanampy ahy ny rahalahiko"
DH: "nampihafahafa ny tenan'izy ireo tamiko ny olom-pantatro" na "heverin'ireo namako ho vahiny aho"
"Nanda ahy tsy namela fanampiana ny havako"
Io dia midika fa mandà ny hitondra azy toy ny fifandraisan'izy ireo tany aloha izy ireo. DH: "efa nadao ahy" na "nandà ahy"
Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.
"mihevitra ahy"
Ny imason'izy ireo dia midika ho fihetsik'izy ireo aminy. DH: "mihevitra ahy ho vahiny izy ireo"
ilay valin-teny dia valin'ny antson'i Joba. DH: "kanefa tsy mamaly ahy izy" na "fa tsy tonga tamiko Izy"
Ny andian-teny "amin'ny vavako" dia manondro ny fitenenan'i Joba." DH: "na dia miteny aminy sy nitalaho taminy aza aho."
"mitalaho aminy"
Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.
Eto, ny "fofonaina" dia mampiseho ny fofon'ainy. Raha manafintohina ny zavatra iray dia midika izay fa halany. DH: "Halan'ny vadiko ny fofon'aiko"
Joba dia manondro ireo rahalahiny sy ireo anabaviny eto mba hilazana an-kolaka fa ireo dia olona tokony ho tia azy. DH: "ny rahalahiko" na "ny rahalahiko sy anabaviko"
"mankahala ahy" na "tsy tia ahy"
"maniratsira ahy izy ireo" na "manesoeso ahy izy ireo"
Io dia manondro ireo namany akaiky. DH: "ireo namako akaiky rehatra" na "ireo namako izay nizarako ny tsiambarateloko"
"rikoriko amiko"
"namadika ahy"
Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.
Miresaka ny taolany, ny hodiny ary ny nofony i Joba mba hanoritsoritany ny toe-batany. Tena mahia izy, ary mora amin'ny olona ny mahita endriky ny taolany. Misy fiteny hafa manana foma fiteny momba io. Dh: "Taolany sy hodittra fotsiny aho" na "taolana mifono hoditra aho"
Io fomba fiteny io dia midika fa zara raha miaina izy, efa azo lazaina ho tsy miaina. DH: "Zara raha velona aho" na "zara raha miaina aho"
"Manàna fangoraham-po amiko"
Eto, ny "nikasikia ahy" dia sarin-tenin'ny hoe "namely ahy." Io dia fanoharana ny fanaovana zavatra mampahory an'i Joba. DH: "Satria efa nampahory ahy Andriamanitra
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hitarainany ny amin'ny fitondran'ireo namany azy. DH: "Aza manenjika ahy ...Andriamanitra!"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hitarainany ny amin'ny fitondran'ireo namany azy. DH: "efa nolevoninareo tokoa ny nofoko!" na "Aza levonina ny nofoko!"
Joba dia miresaka ireo namany izay manao habibiana aminy toy ny hoe bibidia mihinana biby hafa. DH: "Atsaharo ny fanendrikendrehana mafy ahy." na "Atsaharo ny famelezana ahy amin'ny teninareo."
Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.
Io filazana fihetsem-po io dia milaza ny fanirian'i Joba. DH: "Mba faniriako raha misy manoratra ny teniko"
Io andian-teny io dia mampiseho izay lazain'i Joba. DH: "izay lazaiko"
Io filazana fihetsem-po io dia milaza ny fanirian'i Joba. DH: "Mba faniriako raha misy manoratra anaty boky ireny"
Io filazana fihetsem-po io dia milaza ny fanirian'i Joba. DH: "Mba faniriako raha misy misy mapiasa penina vy sy firaka ka misokitra ireo amin'ny vatolampy mandrakizay"
Io dia fitaovana ampiasaina amoin'ny fanoratana. Vita tamin'y vy izany ka nahafahan'ny olona nisokitra soratra tamin'ny vato. DH: "fandraka vy"
Ny firaka dia vy malemy. Tsy fantatra ny fomba nampiasan'ny olona firaka rehefa nisokitra vato. Mety namenoan'izy ireo ny soratra voasokitra ny firaka mba hiraketan'ilay soratra maharitra.
Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.
Eto ny "Mpanavotra" dia manondro ny olona izay hamonjy an'i Joba amin'ny alalan'ny fanaporofoana ny tsy fahamelohan'i Joba, famerenana ny voninahiny, ary fanomezana rariny azy. DH: "ny Mpiaro ahy"
Io dia manondro ny fijororana miteny eo amin'ny fitsarana. Ireo mety ho heviny dia 1) ny Mpanavotra no ho tompon'ny teny farany eo amin'ny fitsarana. DH: "Izay no hitsara raha na ho meloka aho na tsia" na 2) Ny Mpanavotra no hijoro farany eo amin'ny fitsarana farany mba hiaro an'i Joba.DH: "any amin'ny farany dia Izy no hiaro ahy eo amin'ny fitsarana.
Ireo mety ho heviny dia 1) ny fahapotehan'ny vatany amin'ny alalan'ny aretina na 2) ny fahalovan'ny vatany aorian'ny fahafatesany.
Ny nofony dia mampiseho ny vatany ary ny "ao amin'ny nofoko" dia mampiseho fahavelomana. DH : "Rehefa velona ao amin'ny tenako aho dia hahita an'Andiamanitra"
Ny andian-teny "ny masoko" dia mampiseho an'i Joba. Ny andian-teny "ny masoko" sy ny " fa tsy olon-kafa" dia manamafy fa hahita an'Andriamanitra marina i Joba. Tsy olon-kafa no hahita an'Andriamanitra ka hitantara azy amin'i Joba.
Ataon'ny olona ho fitoeran'ny fihetsem-po ny fo. Koa ny fo sasa-miandry dia mapiseho ny fananany fihetsem-po tena maro. DH: "tena mihetsi-po ny amin'izany tokoa aho" na "manafotra ahy ny fihetsem-po rehefa misaina ny amin'izany aho" (UDB)
Ireo mety ho heviny dia 1) Mahatsiaro hpo velom-panatenana, feno fisaorana, ary faly tokoa i Joba na 2) mahatsiaro tena ho reraka eo am-piandrasana ny mpanavotra azy i Joba.
Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.
Io dia filazana fihetsem-po. Ireo mety ho heviny dia 1) hanenjika an'i Joba tokoa izy ireo na 2) hanenjika azy foana izy ireo.
Ny "fototra" dia mampiseho loharano. DH : "izy no loharanon'ny olany" na "manana ireo olana rehetra ireo izy nohon'ny zavatra vitany"
Ireo mety ho hevitra izay asehon'ny sabatra dia 1) mitsara azy ireo Andriamanitra. DH: "ary matahora fa hitsara anareo Andriamanitra" na 2) mamono azy ireo Andriamanitra. DH: "ary matahora fa hamono anareo Andriamanitra"
Eto, ny "mahatonga" dia sarin-tenin'ny "valiny" na "vokany." Ny anarana "fahatezerana" sy ny "famaizana" dia azo aseho amin'ny mpamaritra "tezitra" sy matoantoanteny "manafay." Ireo mety ho heviny dia 1) Miteraka famaizana ny fahatezeran'Andriamanitra. DH: "Satria ho tezitra aminareo Andrianmanitra ary dia hanafay anareo" na 2) ny fahatezeran'ny naman'i Joba dia miteraka famaizana. DH: "raha tena tezitra amiko ianareo, dia hanasazy anareo Andriamanitra"
Ny anarana "fitsarana" dia azo adika amin'ny matoanteny "mitsara". DH: "Andriamaniytra dia mitsara ny olona"
1 Dia namaly i Zofara ilay Namatita ary niteny hoe: 2 "Ireo eritreritro no mahatonga ahy hamaly haingana nohon'ny fitaintainana izay ao anatiko. 3 Mandre teny mafy izay manala baraka ahy aho, saingy misy fanahy avy amin'ny fahazavan-tsaiko mamaly ahy. 4 Tsy fantatrao ve izao zava-misy izao hatramin'ny andro fahiny, raha nametraka ny olombelona teto an-tany Andriamanitra: 5 ny fandresen'ny olona ratsy fanahy dia fohy, ary ny hafalian'ny mpaniratsira dia maharitra fotoana fohy ihany? 6 Na dia mahatakatra ny lanitra aza ny haavony, ary mananika ny rahona ny lohany, 7 dia mbola ho levona toy ny malotony ny olona toy izany; ireo izay nahita azy dia hiteny hoe: 'Aiza izy?' 8 Hanidina toy ny nofy izy ary tsy ho hita; eny tokoa, ho enjehina toy ny fahitana amin'ny alina izy. 9 Ny maso izay nahita azy dia tsy hahita azy intsony; ny toerany dia tsy hahita azy intsony. 10 Hiala tsiny amin'ny olona mahantra ireo zanany; tsy maintsy hamerina ny harena azony ny tanany. 11 Ireo taolany dia feno ny tanjaky ny fahatanorana, saingy handry miaraka aminy anaty vovoka izany. 12 Na dia mamy ao am-bavany aza ny faharatsiana, na dia manafina izany ao ambanin'ny lelany aza izy, 13 na dia mihazona izany ao sady tsy mamela izany handeha fa mbola mihazona izany tsara ao am-bavany ihany aza izy— 14 dia mivadika mangidy ny sakafo ao anaty tsinainy; zary poizina avy amin'ny bibilava ao anatiny izany. 15 Mitelina harena izy, saingy handoa izany indray; havoakan'Andriamanitra avy ao amin'ny kibony izany. 16 Hitsetsitra ny poizin'ny bibilava izy; hamono azy ny lelan'ny menarana. 17 Tsy hankafy ireo renirano, ireo riakan'ny tantely sy ero-dronono izy. 18 Hamerina ny vokatra izay nisasarany izy ary tsy afaka ny hinana izany; tsy afaka ny hankafy ny harena azony tamin'ny varony izy. 19 Satria izy nampahory sy nanao tsinontsinona ny olona mahantra; naka an-keriny ireo trano izay tsy naoriny izy. 20 Satria izy tsy nahalala fahafaham-po tamin'ny tenany, dia tsy afaka ny hahavonjy ny zava-drehetra izay nakany fahafinaretana izy. 21 Tsy misy izay tavela ka tsy nolevoniny; noho izany dia manam-petra ihany ny fahombiazany. 22 Hilatsaka anaty fahoriana amin'ny fahabetsahan'ny hareny izy; ny tanan'ny tsirairay izay ao anaty fahantrana dia ho avy hanohitra azy. 23 Rehefa hameno ny kibony izy, dia hatorak'Andriamanitra aminy ny firehetan'ny fahatezerany; handrotsaka izany eo aminy Andriamanitra rehefa eo am-pihinanana izy. 24 Na dia hitsoaka ny fitaovam-piadiana vy aza izany lehilahy izany, dia hahavoa azy ny tsipìka varahina. 25 Hanindrona avy ao an-damosiny ny lefona ary ho tafavoaka; ary hivoaka avy ao amin'ny atiny tokoa ny tendrony manjelanjelatra; ho tonga eo aminy ny horohoro. 26 Aizin-kitroka tanteraka no miandry ny hareny; ary afo tsy notsofina no handoro azy; handevona izay sisa tavela ao anatin'ny lainy izany. 27 Hanambara ny helony ny lanitra, ary hijoro vavolombelona hanohitra azy ny tany. 28 Hielina ny harena ao an-tranony; hikoriana hiala aminy amin'ny andron'ny fahatezeran' Andriamanitra ireo fananany. 29 Izany no anjaran'ny olona ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, ny lova voatokana ho azy avy amin'Andriamanitra."
Mamaly an'i Joba i Zofara.
Adikao tahaka ny ny nandiakanao azy tao amin'ny 2:11 io anaran-dehilaly io. Koa satria efa fanindroany amin'ity i Zofara no miteny dia mitelina ny hoe "ilay Namatita" ny fandikana sasany eto.
Ny fampanaovan'ny eritreritr'i Zofara zavatra azy dia mampiseho ny faniriany hanao zavatra. DH: "tena te hamaly anao haingana tokoa aho"
Ny anarana "fitaintainana" dia azo aseho amin'ny mpamaritra "mitaintaina." Ny anton'ny fitaintainana dia azo adika mazava tsara. DH: "satria mitaintaina mafy ny aminao aho" na "satria mitainataina mafy aho noho izay nolazainao"
Ny anarana "teny mafy" dia azo aseho amin'ny matoanteny "miteny mafy." DH: "reko miteny mafy ahy ianao, ary izay lazaina dia manala baraka ahy" na "manevateva ahy amin'ny alalan'ny fitenenanao mafy ahy ianao"
Ny "fanahy" eto dia mety manondro eritreritra na hevitra. DH: "eritreritra avy amin'ny fahazavan-tsaiko mamaly ahy"
Io "fanahy" na eritreritra io dia resahina toy ny hoe nisy olona namaly an'i Zofara. DH: "nahazo hevitra avy tamin'ny fahazavan-tsaiko aho ka fantatro ankehitriny ny ny zavatra tiako nofantarina"
Ny vontoatin'ny valin-teny dia azo lazaina mazava. DH: "Mamaly ahy ny amin'ny fomba hamaliako anao ny eritreritra avy amin'ny fahazavan-tsaiko" na "Manana hevitra avy tamin'ny fahazavan-tsaiko aho, ka fantatro ankehitriny ny hamaliana anao"
Ny anarana "fanahy" sy ny "fahazavan-tsaina" dia azo aseho amin'ny matoanteny "mieritreritra" sy "mahatakatra." DH: "Satria mahatakatra zavatra aho, nieritreritra aho, ary fantatro ankehitriny ny hamaliako anao.
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Zofara.
mampiasa io fanontaniana io i Zofara mba hahatonga an'i Joba hisaina lalina ny amin'izay hoteneniny. DH: "Efa fantatra fony andro fahiny tokoa ny marina ...maharitra fotoana fohy ihany."
Ny anarana "fandresana" dia azo adika ho matoanteny "mandresy" "na "mankalaza." DH: "Fotoana fohy ihany no handresen'ny ratsy fanahy" na "Fotoana fohy ihany ny hankalazan'ny ratsy fanahy"
Ny anarana "hafaliana" dia azo adika amin'ny matoanteny "mifaly" na mpamaritra "faly." Ny teny "fotoana fohy" dia fanitarana mba hanamafisana fa ny fotoana dia tena fohy tokoa. DH: "fotoana fohy ihany no hifalian'ny mpaniratsira" na "ny mpaniratsira dia faly ao anatin'ny fotoana fohy dia fohy ihany
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Zofara.
"na dia avo aza ny olona ratsy fanahy"
Ny anarana "haavo" dia azo aseho amin'ny mpamaritra "lava." DH: "Na dia avo toy ny lanitra azy izy"
Ny haavon'ny olona ratsy fanahy dia mampiseho na ny lazany na fireharehany. DH: "Na dia manakatra ny lanitra aza ny lazany" na "na dia manakatra ny lanitra aza ny fireharehany"
Eto, ny "manakatra ny lanitra" dia mampiseho ny fahalehibeazana. "Na dia tena lehibe aza ny lazany" na "na dia tena lehibe aza ny fireharehany"
Ny anarana "haavo" dia mampiseho lazany na reharehany. Samy azo adika amin'ny andian-teny hafa ireo hevitra ireo. DH: "Na dia mihevitra azy ireo ho teny olona goavana aza ny olona" na "Na dia tena mirehareha aza izy"
"na dia avo toy rahona aza ny lohany." Io ihany koa dia mampiseho ny lazany sy ny reharehany ho lehibe. Io dia mitovy dika amin'ny andian-teny teo aloha.
Mifangaro amin'ny tany ny maloto ary manjavona. Ny fanondroana ny maloto dia mety milaza an-kolaka fa zava-poana ny olona ny ratsy fanahy. DH: "dia mbola ho levona toy ireo malotony, izay manjavona tanteraka amin'ny tany"
Raha sadaikatra ny amin'ny teny hoe "maloto" ny olona, dia azon'ny mpandika teny atao ny milaza izany amin'ny zavatra hafa izay mety manjavona tanteraka. DH: "manjavona tanteraka tahaka ny vovoka tsofin-drivotra"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Zofara.
"ny olona ratsy fanahy"
Eto, ny "manidina" sy ny " enjehina" dia mampiseho fanjavonana. Mety milaza ny fanadinoana an-kolaka koa izy ireo, satria manjavona ny nofy sy ny fahitana rehefa manadino azy ireo ny olona. DH: "Hanjavoana toy ny nofy izy ...Ho andinoina toy ny fahitana amin'ny alina izy"
DH: "ary tsy misy hahita azy "
Ny maso dia mampiseho olona. DH: "Izay nahita azy" na "Ny olona izay nahita azy"
Ny andian-teny "toerany" dia mampiseho ireo velona amin'ny toerany. DH: "Ny olona izay mipetraka amin'ny toerany" na "ny fianakaviany"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Zofara.
"Ny zanaky ny olona ratsy fanahy"
Eto, ny "tanana" dia manondro ny zanaky ny olona ratsy fanahy. Rehefa maty izy dia tsy mainty hamerina ireo zavatra rehetra izay nalainy tamin'ireo hafa.
Ny "taolany" eto dia mampiseho ny vatany. Ny "fahafenoan'ny" tanjaky ny fahatanorana dia mampiseho fahatanjahana tahaka ny tanora. DH: "Matanjaka toy ny vatan'ny tanora izy"
Ny teny hoe "izany" dia manondro ny fahatanorany. Ny sarin-teny "mandry miaraka amin'ny vovoka" dia mampiseho fahafatesana. Ny herin'ny fahafatesana dia sarin-tenin'ny ny fanjavonana. DH: "Fa ny herim-pahatanorany dia ho faty miaraka aminy" na "kanefa ny herim-pahatanorany dia hanjavona rehef maty izy"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Zofara.
Ny "faharatsiana mamy" dia mampiseho fitiavana manao zava-dratsy. DH: "na dia izany aza dia fahafinaretana ho azy tahaka ny tsiron-tsakafo mamy ao am-bavany ny manao zava-dratsy
Io mampiseho faniriana ny hanohy ny fankafizana ny faharatsiana tahaka ny faniriana hanohy ny fankafizana ny tsiron'ny sakafo izay tazomina ao am-bava.
Rehafa mivadika mangidy ao anaty tsinay ny sakafo, dia miteraka faharariana sy tsiro mangidy. Io diansarin-tenin'ny fiainan'ny olona iray fanaintainana vokatry ny fanaovana zava-dratsy. DH: "ireo zava-dratsy ireo dia lasa toy ny sakafo izay mivadika ho mangidy ao an-kibo" na "ny vokatr'ireo zava-dratsy ireo dia fanaintainana tahaka ny sakafo izay marikivy ao an-kibo"
Io sarin-teny io ia ratsy kokoa noho ny sakafo marikivy ao an-kibo. Io dia sarin-tenin'ny olona mizaka ny vokatry ny fanaovana zava-dratsy. DH: "ny vokatry ny fanaovana ireo zava-dratsy ireo dia maharary tahaka ny poizina avy amin'ny bibilava ao anatiny"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Zofara.
Miresaka ny fahazoana sy fahaverezan-karena toy ny hoe sakafo izay hohanin'ny olona iray sy halohany i Zofara. DH: "Miha manan-karena ny olona ratsy fanahy, saingy ho very harena tahaka ny olona izay mandoa ny sakafo izy. Ataon'Andriamanitra very tsy ho azy avokoa izany"
Ireo mety ho hevitry ny "mitelina harena" dia mampiseho 1) fanagonana harena sy fampirimana izany amim-pitiavan-tena. DH: "Mahangona harena maro ireo olona ratsy fanahy ary tazominy ho an'ny tenany avokoa izany" na 2) fanagonana harena amin'ny fomba ratsy. DH: "Mangalatra harena maro ireo olona ratsy fanahy"
Eto, ny "havoaka avy ao an-kibony " dia sarin-tenin'ny fanaovana ny olona ho mandoa. Io dia sarin-tenin'ny fanaovana ny olona ho very ny hareny.
"aloa"
Ny "mitsetsitra poizina avy amin'ny bibilava" eto dia mampiseho fanaovana zava-dratsy. Samy mitera-doza ireo. DH: "Ny fanaovana zava-dratsy dia tahaka ny fitsetsefana poizina avy amin'ny bibilava" na "hanao zava-dratsy izy ka hampidi-doza ny fiainany tahaka ny fitsetsefan'ny olona iray poizina avy amin'ny bibilava"
Ny menarana ia bibilava misy poizina. Ny lelany dia mampiseho ny kaikitra misy poizina. DH: "ny poizin' ny menarana dia hamono azy " na "hanaikitra azy ny menarana ary ho faty izy"
Ny menarana dia mampiseho ny faharatsian'ny olona. DH: "hamono azy tahaka ny kaikitry ny menarana ny faharatsiany"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Zofara.
Ny renirano sy riaka dia sarin-teny izay mampiseho fahamaroana. Ny tantely sy ny ero-dronono dia sarin-teny izay mampiseho ny zava-tsoa izay omen'Andriamanitra ny olona. DH: "Ny fahamaroan'ny zava-tsoa izay omen'Andriamanitra ny olona"
Mazava hoazy fa ny "vokatra izay nisasarany" dia manondro ny vokatry ny asany. Eto izany dia manondro ireo zavatra izay nangalarin'ny olona ratsy fanahy. DH: "ny zavatra izay niasany mba ho azony" na "ny zavatra izay nangalariny"
Eto, ny "mihinana" ny vokatry ny asany dia mampiseho ny fankafizana ireo zavatra nangalariny. DH: "ary tsy hahavita hankafy ireo izy"
DH: "Nolevoniny avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy misy tavela" na "tsy nisy zavatra tavela satria nolevoniny avokoa ny zavatra rehetra"
Eto, ny "mandevona" mampiseho ny fakàny zavatra ho an'ny tenany. DH: "tsy misy izay tavela ka tsy nalainy ho an'ny tenany" na "Nalainy avokoa ny zavatra tavela rehetra, ary tsy misy tavela instony"
"hiaina fahoriana tampoka izy"
Eto, ny "tanana" dia mampiseho hery, ary "ny tanana ... ho avy hanohitra azy". Ny anarana "fahantrana " dia azo aseho amin'ny mpamaritra "mahantra." DH: "ireo rehetra izay ao anaty fahantrana dia hamely azy" na "ireo izay mahantra rehetra dia hamely azy"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Zofara.
ny "mameno ny kibony" eto, dia sarin-tenin'ny minana betsaka.
Ny "firehetan'ny fahatezerany" dia mampiseho ny fahatezeran'Andriamanitra sy ny famaizany. Ny fitorahana famaizana aminy dia mampiseho ny fanasaziana mafy azy. DH: "Ho tezitra Andriamanitra ary hitoraka azy amin'ny fanasaziana" na "Ho tezitra Andriamanitra ka hanasazy mafy azy"
"Ataon'Andriamanitra mirotsaka ao aminy izany." Eto, ny "mandrotsaka izany ao aminy" dia mampiseho fanasaziana mafy mihatra amin'ny olona. "Hanasazy mafy azy Andriamanitra"
Ny fitaovam-piadiana vy dia mampiseho ny olona mitondra izany. DH: "handositra ny olona mitondra fitaovam-piadiana vy"
Ny tsipìka dia mampiseho ny olona izay mitifitra amin'ny zana-tsipìka amin'izany. DH: "Hisy olona hitifitra azy amin'ny tsipìka varahina"
Io dia lehibe sy saro-pady amin'ny vatan'olombelona. Raha misy mitifitra izany amin'ny zana-tsipìka, dia ho faty ilay olona voatifitra.
Io dia mampiseho ny fahatahorany tampoka. DH: "mihorohoro izy"
"Aizin-kitroka tanteraka" dia sarin-tenin'ny fahapotehana. DH: "Voatokana ho an'ny hareny ny fahapotehana" na "Ho ptika ireo hareny"
Eto, ny "mandevona" dia sarin-tenin'ny mamotiko. DH: "Afo tsy notsofina no hamotika azy"
Ny andian-teny " tsy notsofina" dia midika an-kolafa fa tsy misy olona handrehitra ilay afo. Fa Andriamanitra no handrehitra ilay afo. DH: "Afo izay tsy novelomin'olombelona no handoro azy" na "Ataon'Andriamanitra mandoro azy ny afo"
Ny "mandevona" eto dia sarin-tenin'ny mamotika. DH: "Hamotika ny afo"
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo izay mipetraka any an-danitra sy ety an-tany, na 2) Manoritsoritra ny lanitra sy ny tany toy ny hoe olona izay mijoro vavolombelona hanohitrea ny ratsy fanahy i Zofara.
Ity dia mamarana ny tenin'i Zofara amin'ny Joba.
"manjavona" na "lasa"
Ny "mikoriana miala" eto dia mampiseho ny fanesorana izany aminy. DH: "Hesorina hiala aminy ny fananany, tahaka ny entana izay mitsingevana eo amin'ny tondra-drano"
" ny hareny"
Eto, ny "fahatezerana" dia mampiseho famaizana. Ny anarana "fahatezerana" dia azo aseho amin'ny matoanteny manasazy. DH: "amin'ny andro hanasazian'Andriamanitra ny olona"
Eto, ny "anjara avy amin'andriamanitra" dia mampiseho izay noheverin'Andriamanitra hitranga amin'ny tsirairay. Izany dia resahina toy ny hoe zavatra homen'Andriamanitra azy. DH: "Izany no efa voalahatr'Andriamanitra hihatra amin'ny olona ratsy fanahy"
Io mampiseho izay nodidian'Andriamanitra hihatra amin'ny olona. Izany dia resahina toy ny hoe zavatra izay homen'Andriamanitra azy tany aloha mba ho lovany. DH: "izay efa nokasain'Andriamanitra homena azy" na "izay nokasain'Andriamanitra hihatra aminy"
1 Ary namaly i Joba ka niteny hoe: 2 "Henoy tsara ireo teniko, ary avelao ho fankaherezana omenareo ahy izany. 3 Mahareta amiko, fa hiteny ihany koa aho; aorian'ny hitenenako, dia manesoa hatrany. 4 Raha ny amiko, amin'ny olona iray ve ny fitarainako? Nahoana aho no tsy tokony tsy hanam-paharetana? 5 Jereo aho ary aoka ho talanjona, ary apetraho eo amin'ny vavanareo ny tananareo. 6 Rehefa misaintsaina ireo fijaliko aho, dia mihorohoro, ary tora-kovitra ny vatako. 7 Nahoana ny olona ratsy fanahy no mbola miaina, tratra antitra, ary mitombo hery amin'ny fahefana? 8 Miorina miaraka aminy eo imason'izy ireo ny taranany, ary ireo zanany dia miorina eo imason'izy ireo. 9 Ny tranon'izy ireo dia lavitry ny tahotra; ary tsy eo amin'izy ireo ny kapok'Andriamanitra. 10 Mampanaraka ny ombilahiny izy ireo; ary dia mahavanona; ny omby vavin'izy ireo dia miteraka ary tsy mamotsotra ny zanany tsy tonga volana. 11 Mamoaka ireo kilongany toy ny ondry aman'osy izy ireo, ary mandihy ireo zanany. 12 Mihira amin'ny ampongatapaka sy lokanga izy ireo ary mifaly miaraka amin'ny feon-tsodina. 13 Miaina ny androny amin'ny fanambinana izy ireo, ary midina mangina ho any amin'ny Fiainan-tsy hita. 14 Hoy izy ireo amin'Andriamanitra hoe: 'Mialà aminay fa tsy maniry ny hahalala ny lalanao izahay. 15 Inona moa ilay Tsitoha, no tokony hanompo Azy izahay? Inona no tombontsoa azonay raha mivavaka aminy izahay?' 16 Indro, moa ve tsy eo an-tanan'izy ireo ihany ny fanambinan'izy ireo? Tsy misy hirarahiako ny toro-hevitry ny olona ratsy fanahy. 17 Impiry no maty ny jiron'ny olona ratsy fanahy, na tonga eo aminy ny lozan'izy ireo? Impiry no mizara alahelo amin'izy ireo amin'ny fahatezerany Andriamanitra? 18 Impiry izy ireo no tonga tahaka ny mololo tsofin'ny rivotra na tahaka ny akofa entin'ny tafio-drivotra? 19 Hoy ianareo hoe: 'Andriamanitra mitahiry ny helony mba hohefain'ireo zanany.' Avelao ny tenany ihany no hanefa izany, mba hahafantarany ny helony. 20 Avelao ny masony hahita ny faharavany, ary avelao izy hisotro ny fahatezeran'ilay Tsitoha. 21 Satria inona no hiraharahiany ny momba ireo taranany mandimby azy rehefa tapaka ny isan'ireo volany? 22 Moa ve misy olona afaka mampianatra fahalalana an'Andriamanitra satria na dia ireo izay ambony aza dia Izy no mitsara? 23 Ny olona iray dia maty ao anatin'ny heriny feno, tony tanteraka ary miadana. 24 Feno ronono ny vatany, ary ny tsokan'ny taolany dia mando sy salama tsara. 25 Misy olona iray hafa maty ao anatin'ny fangidian'ny fanahy, olona izay tsy mbola niaina zavatra tsara. 26 Samy mandry anaty vovoka izy ireo; ary mandrakotra ny vatan'izy roa ireo kankana. 27 Indro, fantatro ny eritreritrareo, sy ireo fomba izay irianareo mba handisoana ahy. 28 Fa hoy ianareo hoe: 'Aiza izao ny tranon'ny andriandahy? Aiza ny lay izay nonenan'ny ratsy fanahy taloha?' 29 Tsy mbola nanontany ny olona mpandeha lavitra mihintsy ve ianareo? Tsy fantatrareo ve ny porofo azon'izy ireo lazaina, 30 fa voaaro amin'ny andron'ny loza ireo ratsy fanahy, ary havily lavitry ny andron'ny fahatezerana izy? 31 Iza no hanameloka ny fomban'ny ratsy fanahy eo anatrehany? Iza no hanefa azy amin'ny zavatra vitany? 32 Nefa mbola ho lanjaina ho any am-pasana izy; ireo olona dia hiambina ny fasany. 33 Ho mamy aminy ny baingan-dohasaha; hanaraka azy avy ao aorina ny olona rehetra, tahaka ny nandehanan'ireo olona maro tsy voatanisa teo alohany. 34 Nahoana ary ianareo no mampionona ahy amin'ny zavatra tsy misy dikany, satria ao amin'ireo valinteninareo dia tsy misy afa-tsy lainga fotsiny?"
Manomboka mamaly ny fanamelohan'i Zofara i Joba.
"mamelà ahy" na "manàna faharetana amiko"
"afaka manohy ny fanesoana ahy ianao." Mampiasa io fanesoana io i Joba mba hilazana an-kolaka fa hanao tsinontsinona izay holazainy ary haneso azy hatrany ireo namany.
Manohy ny firesahany amin'ireo namany i Joba.
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisany fa izy dia mihevitra fa rariny ny azy raha mitaraina amin'Andiamanitra. DH: "Tsy mitaraina amin'olona aho. Manan-jo ny tsy haharitra aho"
"saromy amin'ny tananareo ny vavanareo." Ireo mety ho heviny dia 1) io dia valin'ny figagana. DH: "saromy amin'ny tananareo ny vavanareo" na 2) Io dia famantarana fa tsy hiteny ilay olona. DH: "Aza miteny na inona na inona"
"mampangovitra ny vatako ny tahotra" na "hozongozonin'ny tahotra aho"
Manohy ny firesahany amin'ireo namany i Joba.
Mampiasa io fanontaniana io i Joba ma hanehoany fa ireo namany fa diso ireo namany ny amin'ny fiheverana fa mijaly foana ny olona. DH: "Ny olona ratsy fanahy tokoa no lava andro iainana, mitombo fahanterana, ary miha mana-karena kokoa."
Ireo feezanteny roa ireo dia mitovy ny dikany ary manamafy fa marina izany.
Ireo andian-teny ireo dia mitovy ny dikany satria "ny maso" dia manondro izay jerena. Mahita ireo taranany mitombo hery sy harena ny olona ratsy fanahy.
Ny "trano" eto dia manondro vondrom-pianakaviana izay mipetraka ao amin'izy ireo. DH: "ny fianakavian'izy ireo"
Io dia manondro ny famaizan'Andriamanitra.
Manohy ny firesahany amin'ireo namany i Joba.
"tsy afa-jaza" na "teraka ara-pahasalamana sy matanjaka ny zanany"
Mampitaha ny zanak'izy ireo amin'ny zanak'ondry i Joba mba hanamafisana fa mikarenjy, milalao, ary faly izy ireo.
zava-maneno misy lohany toy ny aponga izay azo velesina ary misy vy manodidina ny morony izay maneno rehefa hozongozonina ilay zava-maneno.
Manohy ny firesahany amin'ireo namany i Joba.
"ny fotoam-pahavelomany"
Io dia fomba mihaja entina hilazana fa maty izy ireo. DH: "maty am-pilaminana izy ireo"
Io dia manondro ny tian'Andriamanitra hitondran'ny olona tena.
Mampiasa io fanontaniana io ny olona ratsy fanahy mba hanesoana an'Andriamanitra. DH: "Tsy mino izahay fa izany Andriamanitra Tsitoha izany no mendrika ny fideranay. Tsy afaka manao na inona na inona aminay Izy."
Manohy ny firesahany amin'ireo namany i Joba.
Ny "tanana" eto dia manondro ny hery na fahefan'izy ireo. Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hihantsiana ireo namany. DH: "indro, mihevitra ireo olona ratsy fanahy fa izy ireo no mampanambina ny tenan'izy ireo!"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisany fa toa tsy dia manasazy ireo ratsy fanahy matetika Andriamanitra raha aminy. DH: "tsy dia matetika ...tonga eo aminy ny lozan'izy ireo."
Mampitaha ny fahafatesan'ny jiro amin'ny fahafatesan'ny jiro i Joba. DH: "fa Andriamanitra no nahatonga azy ireo ho maty tampoka"
Mampitaha ny fiainan'ny olona ratsy fanahy amin'ny jiro mirehitra i Joba.
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisany fa toa tsy dia manasazy ireo ratsy fanahy matetika Andriamanitra raha aminy. DH: "tsy dia matetika ...amin'ny fahatezerany Andriamanitra."
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisany fa toa tsy dia manasazy ireo ratsy fanahy matetika Andriamanitra raha aminy. DH: "tsy dia matetika ...entin'ny tafio-drivotra."
Ny fahafatesan'ny olona ratsy fanahy dia resahina toy ny hoe akofa sy mololo tsy misy ilàna azy izay tsofin'ny rivotra izy ireo. DH: "Nentin'Andriamanitra tahaka ny fitsofan'ny rivotra akofa izy ireo"
Manohy ny firesahany amin'ireo namany i Joba.
ireo teny ireo dia notovanan'ny ankamaroan'ny fandikan-teny mba hanazavana fa mitanisa ireo namany amin'ny fanambarana manaraka i Joba.
Ny heloka dia resahina toy ny zavatra izay azo tehirizina mba hampiasaina amin'ny manaraka. Eto, ny "manefa" dia manondro ny fanasazian'Andriamanitra nohon'ny fahotana. DH: "Andriamanitra dia mitahiry ny fahotan'ny olona, ary avy eo dia manasazy ny zanaky ny olona nohon'ny asa ratsiny Izy"
Manomboka milaza ny heviny manokana i Joba. Fa tsara ny filazana izany mazava tsara. DH: "fa hoy aho hoe: 'aoka ny tenany ihany no hanefa izany'"
Eto, ,y "maso" dia manondro olona. DH: "Aoka izy hahita"
Ny fahatezeran'Andriamanitr eto dia resahina toy ny hoe zava-pisotro azon'ny olona andramana, ary ny manadrana dia sarin-tenin'ny fiainana ilay zava-pisotro. Tian'i Joba hiaina ny fahatezeran'Andriamanitra ny olona ratsy fanahy.
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisany fa ny fanasaziana ny zanaky ny olona ratsy fanahy dia tsy mety. DH: "Satria ny olona ratsy fanahy dia tsy mikarakara ny fianakaviany intsony aorian'ny fahafatesany!"
Io dia fomba mihaja entina hilazana fa maty izy.
Io dia manondro ny faharetan'ny fiainany
Manohy ny firesahany amin'ireo namany i Joba.
Manontany io fanontaniana io i Joba mba hanamafisany fa mahalala ny zava-drehetra Andriamanitra. DH: "Mazava hoazy fa tsy misy afaka mampianatra na inona na inona an'Andriamanitra satria na dia ireo izay any an-danitra aza dia Izy no mitsara."
Ireo mety ho heviny dia 1) "ireo izay any an-danitra" (UDB) na 2)"ireo olona mahery."
Mampifanohitra ny olona izay maty ao anaty fahasalaman sy filaminana amin'ny olona izay maty ao anaty alahelo sy fanaintainana ao amin'ny 21:25 i Joba. Azonao atao mazava io. DH: "raha misy olona roa, dia mety ho faty ao amin'ny heriny feno ny iray"
Ireo dia samy midika fa salama tsara ilay olona.
Ireo dia samy midika fa salama tsara ilay olona
Ny teny hoe "ronono" dia midika ho "matavy." DH: "Tsara fahana izy" na "Feno sabora ny tenany"
Io fomba fiteny io dia midika fa ny vatany dia tanora sy matanjaka.
Manohy ny firesahany amin'ireo namany i Joba.
Mampifanohitra io olona io amin'ilay olona maty am-pilaminana ao amin'ny 21:22 i Joba.
Ny alahelo eto dia resahina toy ny hoe tsiro mangidy, ary ny "fanahy" dia manondro ny vatan-tenan'ilay olna iray manontolo. DH: "amim-pahatezerana sy fahasosorana" na "aorian'ny fiainana fiainana mampalahelo"
DH: "zava-dratsy ihany no niainany"
Io dia fomba mihaja entina hilazana fa maty izy ireo. DH: "samy maty izy ireo ary helevin'ny olona"
Ny kankana dia miaraka amin'ny fahalovan'ny vatana. DH: "ny kankana ao amin'ny loto no hihinana ny nofo mangatsiakan'izy ireo"
Manohy ny firesahany amin'ireo namany i Joba.
Mampiasa io teny io i Joba mba hisarihana ny saina amin'ny fanambarana manaraka.
Mino i Joba fa hanontany ireo fanontaniana ireo ny namany mba handatsana azy. Milaza zavatra mitovy ireo fanontaniana ireo. DH: "indro, ny tranon'ny mpanapaka ratsy dia lasa. Ny lain'ny olona ratsy fanahy dia nanjavona."
Manohy ny firesahany amin'ireo namany i Joba.
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hitenenany mafy ireo namany ny amin'ny tsy fakana lesona amin'ny olona mpandeha lavitra. DH: "tokony nihaino ireo izay efa nandeha avy lavitra ianareo. Na dia hilaza aminareo aza izy ireo ...ny andron'ny fahatezerana izy."
Ireo andian-teny ireo dia midika zavatra mitovy. DH: "Andriamanitra dia mamindra fo amin'ny olona ratsy fanahy rehefa mitondra loza amin'ny toerana iray Izy"
Manohy ny firesahany amin'ireo namany i Joba.
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanoherany ny finoan'ireo namany fa ny olona ratsy fanahy dia tsy maintsy tsaraina hatrany. DH: "Tsy misy manameloka ny olona ratsy fanahy eo anatrehany."
Midika io fa tsy misy olona handeha mavy hatrany any amin'ny olona ratsy fanahy ka hanameloka azy araka ny tenany.
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanoherany ny finoan'ireo namany fa ny olona ratsy fanahy dia tsy maintsy tsaraina hatrany. DH: "Tsy misy olona hanefa ny zava-dratsy izay efa nataony."
DH: "hitondra azy ny olona"
Mihevitra i Joba fa ny olona maty dia mbola hankafy ny fotaka izay hatototra eo aminy. Izany dia midika fa ny olona ratsy fanahy dia mbola hanana fahafatesana tsara sy fandevenana mahafinaritra aorian'ny fahavitana ny fiaianana. Ny "bainga" dia manondro ny tany izay mandrakotra ny fasana. DH: "Ho tiany ny horakofana fotaka avy amin'ny lohasaha" na "ho tiany ny halevina ao amin'ny fotaky ny lohasaha"
Manamafy i Joba fa vahoaka maro no hanatrika ny fandevenana ity sarintsarin'olona ratsy fanahy ity. DH: "Vahoaka maro isa no ho any amin'ny toerana misy ny fasana; sy sasany eny alohan'ny filarahana ary ny sasany any aoriana"
Mamarana ny teniny amin'ireo namany i Joba.
Mampiasa fanontaniana i Joba mba hanesoany ireo namany. DH: "Tsy afaka ny hampahery ahy amin'ny tsy zavatra misy dikany ianareo. Tsy misy marina avokoa ny valinteninareo."
1 Dia namaly Elifaza ilay Temanita ka niteny hoe: 2 "Mety ilain'Andriamanitra ve ny olona? Mety ilainy ve ny lehilahy hendry? 3 Moa ve fahafinaretana ho an'ilay Tsitoha raha marina ianao? Moa ve tombony ho Azy raha manao ny lalanao ho tsy misy tsiny ianao? 4 Moa ve ny fanehoanao fanajana Azy no hamaizany anao sy hitondrany anao amin'ny fitsaràna? 5 Moa ve tsy lehibe ny faharatsianao? Tsy misy fiafarana ve ireo helokao? 6 Fa efa nangataka antoka tamin'ny findramam-bolan'ny rahalahinao tamin'ny tsy misy antony ianao, ary efa nanendaka fitafiana tamin'izay nitanjaka ianao. 7 Tsy nanome rano ho sotroin'ny olona reraka ianao; namihina mofo tsy ho an'ny olona noana ianao, 8 na dia olona mahery aza ianao, izay nanana ny tany, na dia olona manam-boninahitra aza ianao, izay nonina tao amin'izany. 9 Nalefanao maina ny mpitondratena; ary ny tanan'ireo kamboty dia notapahina. 10 Noho izany, misy fandrika ny manodidina anao rehetra, ary ny fahatahorana tampoka no mampahory anao. 11 Misy ny aizina, mba tsy hahitanao; ary ny rano be mandrakotra anao. 12 Moa ve Andriamanitra tsy any amin'ny haavo'ny lanitra? Jereo ny haavon'ireo kintana, endrey ny hahavon'izy ireo! 13 Ary hoy ianao hoe: 'Inona no fantatr'Andriamanitra? Mety hitsara amin'ny alalan'ny aizim-pito ve Izy? 14 Ny rahona matevina no firakofany, mba tsy hahitany antsika; mandeha eny amin'ny andohalambon'ny lanitra Izy.' 15 Hitandrina ny lalana taloha izay nalehan'ny olona ratsy fanahy ve ianao— 16 ireo izay nesorina talohan'ny fotoany, ireo izay voafaoka toy ny renirano ny fototr'izy ireo, 17 ireo izay niteny tamin'Andriamanitra hoe: 'Mialà aminay'; ireo izay niteny hoe: 'Inona no azon'ny Tsitoha atao aminay?' 18 Kanefa mbola nameno ny tranon'izy ireo tamin'ny zava-tsoa Izy; ny tetik'ireo ratsy fanahy dia lavitra ahy. 19 Ny olo-marina mahita ny anjarany ka faly; ny olona tsy mana-tsiny miomehy azy ireo mba handatsa azy. 20 Hoy izy ireo hoe: 'Azo antoka fa notapahina ireo izay nitsangana nanohitra antsika; nandevona ny fananany ny afo.' 21 Koa ankehitriny, maneke an'Andriamanitra ary mihavàna aminy; amin'izany fomba izany, no hiavian'ny soa aminao. 22 Mitalaho aminao aho, mandraisa fampianarana avy amin'ny molony; tehirizo ao am-ponao ny teniny. 23 Raha miverina amin'ny Tsitoha ianao, dia hiorina, raha mametraka ny tsy fahamarinanao lavitry ny lainao ianao. 24 Ampandrio eo amin'ny vovoka ny harenao, ny volamenan'i Ofira eo amin'ny vaton'ny lohasahan-driaka, 25 ary ny Tsitoha no ho harenao, volafotsy sarobidy ho anao. 26 Fa amin'izany dia hiravoravo amin'ilay Tsitoha ianao; hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra ianao. 27 Hivavaka aminy ianao, dia hihaino anao Izy; hanefa ireo voadinao aminy ianao. 28 Handidy ny zavatra rehetra koa ianao, ary dia ho hamafisina ho anao izany; hamiratra amin'ny lalanao ny fahazavana. 29 Andriamanitra dia mampietry ny olona mirehareha, ary mamonjy ny olona mampidina ny masony. 30 Hanafaka Izy na dia ny olona manan-tsiny aza; izay ho vonjena eo amin'ny fahadiovan'ny tananao."
Adikao tahaka ny ao amin'ny 2:11 io anaran-dehilahy io.
Mampiasa io fanontaniana io i Elifaza fa ny fihetsika na ny fahendre'ny olona iray dia tsy misy tombony ho an'Andriamanitra. DH: "Tsy misy hilàn'Andriamankitra ny olona. Tsy misy hilàny ny lehilahy hendry."
Ireo fanambarana ireo dia midika zavatra mitovy. Mampiasa fanonataniana i Elifaza mba hanamafisana fa ny fihetsik'i Joba dia tsy manampy an'Andriamanitra. DH: "Tsy mahazo fahafinaretana amin'ny fahamariananao Andriamanitra. Tsy mahazo na inona na inona amin'ny fanaovanao ny lalanao ho tsy misy tsiny ianao."
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Elifaza.
Mampiasa io fanontaniana io i Elifaza mba hanesoana an'i Joba sy hanamelohany azy ny amin'ny fanaovana fahotana mahafaty. DH: "Tsy noho ianao efa voatokana ho azy mihitsy no hitenenany mafy anao sy hitondrany anao eo amin'ny fitsarana! Tsia, araka ny efa fantatrao, mitsara anao Izy satria lehibe helokao ary tsy mitsaha-manota ianao!"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Elifaza.
Io dia manondro mpampindrana maka zavatra avy amin'ny mpindrana mba hahazoany antoka fa hanefa ny azy ilay mpindrana.
Elifaza dia manameloka an'i Joba ny amin'ny fangalany ny lamba tamin'ny mahantra izay taminy mba ho fiarovana.
Ny "mofo" eto dia manondro sakafo amin'ny ankapobeny. DH: namihina sakafo"
Elifaza dia manameloka an'i Joba ny amin'ny fangalany ny tany tamin'ny mahantra sy ny tsy famelàny azy ireo honina ao amin'izany. Manamafy io zavatra io amin'ny filazany izany indroa miantaona izy.
Manitatra ny amin'ny hamaron'ny tany izay nananan'i Joba i Elifaza mba hanehoany fa izy dia tia tena. DH: "nanana tany maro"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Elifaza.
"nalefanao tamin-tanampolo ny mpitondratena"
vehivavy maty vady
Ny "tanana" eto dia manondro fahefana. DH: "ary dia nampahorianao ireo kamboty"
Ireo sarin-teny ireo dia samy midika fa misy olana sy loza manodidina an'i Joba rehetra nohon'ny fahotany.
"tondr-drano"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Elifaza.
Mampiasa io fanontaniana io i Elifaza mba hilazana fa Andriamanitra dia mahita ny helok'i Joba ary hitsara azy. DH: "Andriamanitra dia any amin'ny haavon'ny lanitra ary mahita izay rehetra mitranga amin'ny tany."
Milaza an-kolaka i Elifaza fa Andriamanitra dia avo noho ny kintana. Azo adiaka mazava io. DH: "Jereo ny haavon'ny kintana. Mbola avo noho ireo Andriamanitra"
Mampiasa io fanontaniana io i Elifaza mba hilazany an-kolaka fa niteny ireo zavatra ireo tamim-panoherana an'Andriamanitra i Joba. DH: "Andriamanitra dia tsy mahalala izay mitranga eo ambon'ny tany. Mipetraka ao anaty raho-mainty Izy ka tsy afaka mitsara antsika."
Ny "andohalambo" dia manondro ny sakana izay ninoan'ny olona taloha ho manasaraka ny tany sy ny lanitra. DH: "Any an-danitra lavitra any no misy azy ka tsy hahita izay mitranga eto Izy"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Elifaza.
Ny fanaovana asa ratsy eto dia resahina toy ny hoe fandehanana amin'ny lalana. DH: "Hanahy ny zavatra izay ataon'ny olona ratsy fanahy ve ianao"
Ny fahafatesana eto dia resahina toy ny hoe nesorin'Andriamanitra. DH: "ireo izay maty" na "ireo izay nesorin'Andriamanitra"
Ny fahafatesan'ny olona ratsy fanahy dia resahina toy ny hoe trano izay nofaon'ny tondra-drano ny fotony.
Mitanisa ny fanontaniana fampiasan'ny ratsy fanahy mba hanesoana an'Andriamanitra i Elifaza. DH: "Tsy afaka manao na inona na inona aminay ny Tsitoha!"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Elifaza.
Ny fomba fiteny "lavitra ahy" dia midika fa manà azy ireo i Elifaza. DH: "kanefa tsy hihaino ny teti-dratsin'izy ireo aho"
"mahalala izay hihatra amin'ny ratsy fanahy"
"Maneso ireo olona ratsy fanahy"
Eto, "ireo izay nitsangana" dia manondro ireo olona ratsy fanahy. DH: "Efa namotika ireo olona ratsy fanahy izay nampijaly antsika Andriamanitra"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Elifaza.
Mampiasa io teny io i Elifaza mba hampidirany ny zavatra manan-danja izay ho resahina.
Ny "avy amin'ny molony" eto dia mampiseho izay nolazain'Andrimanitra. DH: "ny fampianaran izay efa nolazainy"
Eto, ny tenin'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe zava-tsarobidy izay azon'i Joba tehirizina ao amin'ny efitra fitehirizana. DH: "mitahiry ireo didiny"
Ny "fo" eto dia manondro sain'i Joba. DH: "ao an-tsainao"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Elifaza.
Mampitaha ny famerenana amin'ny laoniny an'i Joba amin'ny fanavaozana ny trano izay efa rava i Elifaza. DH: "Hitsabo anao Izy ary hanambina anao indray"
Ny tsy fahamarinana eto dia heverina ho toy ny olona izay mipetraka ao anatin'ny lain'i Joba izay tsy maintsy esorina. DH: "Raha tsy mitsahatra amin'ny fahotana ianao sy izay rehetra ao an-tranonao"
Ny mampandry harena amin'ny vovoka dia fiheverana izany ho tsy misy dikany. DH: "hevero ho tsy misy dikany tahaka ny vovoka ny harenao"
Ny mametraka volamena amin'ny lohasahan-driaka dia fiheverana izany ho tsy misy dikany tahaka ny vato. DH: "ny volamenanao ho tsy misy dikany tahaka ny vato eny amin'ny lohasahan-driaka"
Io dia anara-paritra izay malaza amin'ny volamena ao aminy.
Io dia midika fa Andriamanitra no manan-danja kokoa noho ny fananany amin'i Joba.
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Elifaza.
Io dia midika fa tsy ho menatra intsony i Joba ary hatoky an'Andriamanitra. DH: "hahavita hanakaiky azy amim-pahatokisana ianao"
DH: "Ataon'Andriamanitra maomby ianao"
Ny fitahian'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe fahazavana eny amin'ny lalan'i Joba rehetra. DH: "ho toy ny hoe misy hazavana mamiratra eny amin'ny lalana eo alohanao" (UDB)
Mamarana ny resany amin'i Joba i Elifaza.
Eto ny "mampidina maso" dia manondro fanetren-tena. DH: "Ny olona manetry tena"
Ny fandikana sasany manao hoe : "na dia ny olona tsy mana-tsiny aza."
Ny fandikana sasany manao hoe: "hamonjy amin'ny alalan'ny fahadiovan'ny tananao Izy." DH: "Hamonjy anao Andriamanitra nohon'ny fahadiovan'ny tananao"
1 Avy eo Joba namaly ka nanao hoe: 2 "Na dia androany aza dia mangidy ny fitarainako; ny tanako [1] dia mavesatra nohon'ny fitarainako. 3 Indrisy, raha mba fantatro izay mety hahitako Azy! Eh, mba hahatongavako eo amin'ny toerany! 4 Handahatra ny adiko eo anoloany aho ary hameno ny vavako amin'ny fandresen-dahatra. 5 Hianatra ireo teny izay hamaliany ahy aho ary hahazo izay ho lazainy amiko. 6 Hiady hevitra hanohitra ahy amin'ny halehiben'ny fahefany ve Izy? Tsia, hihaino ahy Izy. 7 Any no hiady hevitra Aminy ny olona mahitsy. Amin'izany fomba izany no hanafahan'ny mpitsarako ahy madiodio mandrakizay. 8 Indro, mandeha miatsinanana aho, fa tsy any Izy, ary miakandrefana, nefa tsy mety mahita Azy aho. 9 Ny any avaratra, izay iasany, nefa tsy afaka mahita Azy aho, ary ny any atsimo, izay anafenany ny tenany mba tsy hahafahako mahita Azy. 10 Nefa mahalala ny lalana izay alehako Izy; rehefa nisedra ahy Izy, dia hivoaka tahaka ny volamena aho. 11 Nifikitra tamin'ny diany ny tongotro; nifikitra tamin'ny lalany aho ary tsy nivily. 12 Tsy niala tamin'ireo didin'ny molony aho; ny tenin'ny vavany dia noraketiko tao am-poko mihoatra noho ny anjara haniko. 13 Fa tsy manam-paharoa Izy, iza no afaka hamily Azy indray? Izay iriany dia ataony. 14 Fa tanterahany hanohitra ahy ireo lalàny; misy betsaka tahaka ireo. 15 Noho izany, mihorohoro aho eo amin'ny fanatrehany; rehefa mieritreritra ny momba Azy aho, dia mataotra Azy. 16 Satria efa nataon'Andriamanitra malemy ny foko; nampihorohoro ahy ilay Tsitoha. 17 Tsy notaperina tamin'ny aizina aho, nohon'ny aizin-kitroka izay manarona ny aizim-piton'ny tavako.
Eto ny "na dia androany" dia manamafy fa tsy mampiova na inona na inona amin'ny zava-misy amin'ny Joba akory ny fandresen-dahatr'ireo namany. DH: "na teo aza reo voalazanao, dia mbola mangidy hatrany ny fitarainako"
Ny fitarainany manohitra an'Andriamanitra tsy misy valiny dia resahin'i Joba toy ny hoe tsiro mangidy ao am-bavany. DH: "Ny fitarainako tsy misy valiny dia ratsy tahaka ny sakafo mangidy ao am-bavako"
Ireo mety ho heviny dia 1) "zara raha mahatafakatra ny tanako aho nohon'ny fitarainako" na 2) "mbola mampijaly ahy ihany ny tanany na dia eo aza ny fitarainako", ny "tanana" eto dia manondro ny fahefan'Andriamanitra.
Manohy ny fitenenany i Joba.
Ireo andalana roa ireo dia mitovy ny dikany ary manamafy ny fanirian'i Joba ny hihaona amin'Andriamanitra.
"mety hahitako an'Andriamanitra"
Ireo andalana roa ireo dia mitovy ny dikany ary manamafy ny fanirian'i Joba ny hanazava ny zava-misy aminy amin'Andriamanitra.
Ny "hameno ny vavako" dia manondro fitenenana. DH: "Hiteny ny hevitro rehetra aho"
Ireo andalana roa ireo dia mitovy ny dikany ary manamafy ny fanirian'i Joba ny hiaino ny valin-tenin'Andriamanitra.
Manohy ny fitenenany i Joba.
"Andriamanitra"
Io dia manondro ny toerana misy an'Andriamanitra.
DH: "Hanafaka ahy mandrakizay ny mpitsara ahy" na "Andriamanitra, izao mpitsara ahy, dia hilaza indray mandeha tsy miverina fa tsy mana-tsiny aho"
Manohy ny fitenenany i Joba.
Ny filazana ireo tondro-zotra efatra ireo no hanamafisan'i Joba fa mahita n'aiza n'aiza Izy.
Manohy ny fitenenany i Joba.
Ny fihetsik'i Joba dia resahiny toy ny hoe lalana izay alehany. DH: "Mahalala izay ataoko Andriamanitra.
Mino i Joba fa ny sedra dia hanaporofo fa madio tahaka ny volamena voafantina izy. DH: "Ho hitany fa madio tahaka nhy voalmena izay efa afa-doto aho"
Eto; ny "tongotra" dia manondro an'i Joba. DH: "Nanaraka ny lalana izay efa nasehony ahy aho"
Ny fankatoavan'i Joba dia resahiny toy ny hoe nandeha tamin'ny lalana izay natoron'Andriamanitra azy. DH: "Efa nanao izay nasainy nataoko aho"
DH: "nanaraka izany tsara"
DH: "nankatò izay nandidiany"
Io andian-teny io dia manondro ny hafatra izay nolazain'Andriamanitra. DH: "izay nolazainy"
Ny "foko" eto dia manondro ny ao anatin'i Joba. DH: "Efa noraketiko ao anatiko" na "tsaroako foana"
Io dia manondro ny tenin'Andriamanitra. DH: "izay nolazainy"
Manohy ny fitenenany i Joba.
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisany fa Andriamanitra dia tokana. DH: "Fa tsy misy olona tahaka azy, ary tsy misy afaka manova ny sainy." na "Fa Izy no Andriamanitra tokana, ary tsy misy mitarika Azy"
"manatanteraka izay tiany atao izy"
"Ataony amiko izay nolazainy fa hataony"
"manana fikasana maro tahaka izany ho ahy izy"
Manohy ny fitenenany i Joba.
Ireo andininy ireo dia samy manana endrika fampitoviana mba hanamafisana ny tian'ny Joba holazaina eo.
Ireo andalana roa ireo dia mitovy ny dikany ary manamafy fa i Joba dia tena matahotra an'Andriamanitra.
Ny olona izay manana fo malemy dia ny olona izay saro-kenatra na saro-tahotra.
Ireo mety ho heviny dia 1) nampangina ahy ny aizina mateviny teo anoloako" (UDB" na 2) "tsy ny aizina no nanaperany ahy" na "nanapitra ahy andriamanitra, fa tsy tamin'ny aizina."
Io dia manondro an'i Joba. "izaho"
1 Nahoana ny fotoana fitsaràna ireo ratsy fanahy no tsy nataon'ilay Tsitoha? Nahoana ireo izay mahatoky an'Andriamanitra no tsy mahita ny fahatongavan'ny andron'ny fitsaràny? 2 Misy olona ratsy fanahy izay manala ny mariky ny sisin-tany; misy olona ratsy fanahy izay maka an-kery ny andian'ondry aman'osy ka mametraka ireo ao amin'ny valan'izy ireo manokana. 3 Mandroaka ny borikin'ireo izay kamboty ray izy ireo; maka ny ombin'ny mpitondratena ho fiarovana izy ireo. 4 Manery ireo olona ory hiala amin'ny lalany izy ireo; ireo olona mahantran'ny tany dia miafina azy ireo avokoa. 5 Indro, ireo olona mahantra ireo dia mivoaka miasa tahaka ny borikidia any amin'ny tany hay, mitady sakafo fatratra; sao mba hanome azy ireo sakafo ho an'ny zanak'izy ireo ihany i Araba. 6 Ny olona mahantra dia mijinja any amin'ny sahan'ny olona hafa amin'ny alina; mitsimpona ny voaloboka avy amin'ny vokatr'ireo olona ratsy fanahy izy ireo. 7 Mandry mitanjaka tsy misy fitafiana izy ireo ny alina tontolo; tsy manana firakofana izy ireo amin'ny hatsiaka. 8 Kotsan'ny eriky ny tendrombohitra izy ireo; ary mandry akaikin'ireo vato lehibe satria tsy manan-kialofana. 9 Misy ireo ratsy fanahy manaisotra ireo kamboty eo an-tratran-dreniny, ary olona ratsy fanahy izay maka ireo zaza ho fiarovana amin'ny olona mahantra. 10 Fa ireo olona mahantra dia mandehandeha mitanjaka tsy mitafy; na dia mandeha noana aza izy ireo, dia milanja ny amboaram-barin'ireo hafa. 11 Ireo olona mahantra dia manao diloilo ao anatin'ny rindrin'ireo ratsy fanahy ireo; manitsakitsaka ao amin'ny famiazan-divain'ireo ratsy fanahy izy ireo, fa ny tenan'izy ireo dia mijalin'ny hetaheta. 12 Misento ny olona ao amin'ny tanàna, mihiaka mafy ny olona naratra, satria tsy miraharaha ny vavak'izy ireo Andriamanitra. 13 Ny sasany tamin'ireo olona ratsy fanahy ireo dia mikomy manohitra ny hazavana; sady tsy fantatr'izy ireo ny lalany, no mijanona amin'ny lalany izy ireo. 14 Mialohan'ny andro mazava no mitsangana ilay mpamono olona ka mamono ny mahantra sy ny olona ory; toy ny mpangalatra izy amin'ny alina. 15 Miandry ny takariva ihany koa ny mason'ireo mpijangajanga; hoy izy hoe: 'Tsy hisy maso hahita ahy.' Manarona ny tavany izy. 16 Ao amin'ny aizina no hisavan'ny olona ratsy fanahy ny trano; fa izy ireo dia mampangina ny tenan'izy ireo amin'ny andro; tsy miraharaha ny hazavana izy ireo. 17 Amin'izy rehetra, ny aizim-pito dia tahaka ny maraina; satria izy ireo dia sakaizan'ny fampihorohoroan'ny aizim-pito. 18 Na izany aza anefa dia ho levona faingana izy ireo, tahaka ny roatra mitsingevana eny ambony rano; ny anjaran-tanin'izy ireo dia voaozona; tsy misy olona andeha hiasa eny amin'ny tanim-boalobok'izy ireo. 19 Tahaka ny nampitsonihan'ny hain-tany sy ny hafanana ny oram-panala ho rano, no hakan'ny Fiainan-tsy hita ireo izay nanota. 20 Ny kibo izay nitondra azy dia hanadino azy; ny kankana no hihinana azy an-kamamiana; tsy ho tsaroana intsony izy; amin'izany fomba izany, no hahapotika ny faharatsiana tahaka ny hazo. 21 Ny ratsy fanahy dia handrapaka ny vehivavy momba izay tsy nitera-jaza; tsy manisy soa amin'ny mpitondratena izy. 22 Kanefa Andriamanitra mbola mitarika ny olona mahery amin'ny alalan'ny heriny ihany; mitsangana Izy ary tsy mampatanjaka azy ireo amin'ny fiainana. 23 Andriamanitra dia mamela azy ireo hihevitra fa mandry fahalemana izy ireo, ary faly ny amin'izany izy ireo, saingy ny masony dia eny amin'ny lalany. 24 Asandratra ireo olona ireo; kanefa, ao anatin'ny fotoana fohy ihany, dia ho lasa izy ireo; eny tokoa, hahetry izy ireo; hangonina tahaka ny hafa rehetra izy ireo; ho tapahana tahaka ny salohim-bary izy ireo. 25 Raha tsy izany, iza no afaka hanamarina ahy ho mpandainga; iza no afaka hanao tsinontsinona ny teniko?
Manohy ny fitenenany i Joba.
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny fanahiany fa tsy hitsara ireo ratsy fanahy Andriamanitra. DH: "Tsy azoko ny tsy hametrahan'Andriamanitra fotoana hitsarany ireo olona ratsy fanahy." na "Tokony mametraka fotoana hitsarany ireo olona ratsy fanahy ny Tsitoha."
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny fanahiany fa tsy mahita ny fitsaran'Andriamanitra ireo olo-marina. DH: "toa tsy hahita Azy mitsara ireo ratsy fanahy mihitsy ireo izay mankatò Azy." na "Tokony hampahafantarin'Andriamanitra ireo izay mahalala Azy ny andro hitsarany ireo izay ratsy fanahy.
Manohy ny fitenenany i Joba.
Ireo dia vato na zavatra hafa izay hanamarihana ny faritry ny tany manasaraka ny tany samy faha tompo.
"tanim-bilona" na "tany feno vilona"
"angalarin'izy ireo"
"kamboty" na "ankizy efa maty ray aman-dreny"
"maka ny ombin'ny mpitondratena mba ho antoka fa ireo mpitondrtena dia hamerina ny vola izay nampidramin'izy ireo" (UDB)
vehivavy efa maty vady
Ny mpampindrana dia maka zavatra avy amin'ny mpindrana mba hahzoany antoka fa hanefa ny azy ilay mpindrana.
Io dia fanitarana mba hanehoana fa olona mahantra maro no matahotra ireo olona ratsy fanahy.
Manohy ny fitenenany i Joba.
Ireo olona mahantra ireo dia resahina toy ny hoe boriki-dia izay tsy mahalala izay hahitan'izy ireo sakafo. DH: "ireo olona mahantra ireo dia mivoaka mba hitady sakafo tahaka ny boriki-dia any amin'ny tany efitra"
"boriky izay tsy manana n'iza n'iza mikarakara"
Ireo andalan roa ireo dia milaza zavatra mitovy ary ampisaina miaraka mba hanamafisana fa ireo olona mahantra ireo dia voatery mangalatra sakafo amin'ny alina.
Ireo andalan roa ireo dia milaza zavatra mitovy ary ampisaina miaraka mba hanamafisana fa ireo olona mahantra ireo dia tsy manana lamba ampy mba hanafanana vatana.
Manohy ny fitenenany i Joba.
"lena izy ireo rehefa manorana ny eny an-tendrombohitra"
Ny "tratra" eto dia manondro ny reny. Io dia milaza an-kolaka fa tena mbola zaza ireo kamboty. Azo adika mazava io. DH: "manaisotra ireo zaza kamboty eo an-tanan-dreniny" na "ireo ankizy tsy manan-dray eo amin'ny reniny"
Amin'ny ankapobeny, io dia manondro ireo zaza tsy manana ray aman-dreny. Eto, na izany aza, dia ampiasaina ho an'ireo zaza izay manana reny fa tsy manana ray.
"maka ireo zanak'olona mba ho antoka fa ireo olona mahantra dia hamerina ny vola oizay nindraminy tamin'ireo olona ratsy fanahy"
Ny mpampindrana dia maka zavatra avy amin'ny mpindrana mba hahzoany antoka fa hanefa ny azy ilay mpindrana. Adikao tahaka ny tao amin'ny 24:2.
"mirenireny"
Ny teny hoe " tsy mitafy" dia mitovy midika amin'ny hoe "mitanjaka." DH: "mitanjaka tanteraka" na "mitanjaka satria izy ireo dia tsy manan-ko tafiana."
Io dia midika fa ny asan'izy ireo dia manome sakafo ho an'ny hafa fa tsy ho an'ny tenan'izy ireo.
Manohy ny fitenenany i Joba.
Mitery oliva izy ireo mba hitera-minaka izany.
Eto, ny "rindrina" dia manondro ny trano iray manontolo. DH: "ao an-tranon'ireo olona ratsy fanahy"
Tsara raha ny filazana fa manao izany izy ireo mba hahazoana ranom-boakazo hanaovana divay. DH: "manitsakitsaka voaloboka izy ireo mba hanaovana divay"
"mijaly nohon'ny hetaheta izy ireo" na "mangehtaheta izy ireo"
Manohy ny fitenenany i Joba.
Ireo mety ho heviny dia 1) hazavana hita maso na 2) hazavana ara-panahy, izay manondro an'Andriamanitra na ny fahavelomana marina. DH: "mankahala ny andro mazava" na "tsy te hanao zavatra ampahibemaso" na "mikomy manohitra an'Andriamanitra izy ireo"
Ireo andalana roa ireo dia milaza zavatra mitovy, ary ampiasaina miaraka mba hanamafisana fa tsy te hanaraka ny lalan'ny mazava izy ireo. DH: "tsy hain'izy ireo ny miaina ara-moraly; ialan'izy ireo lavitra ny fiainana ny fiaina-marina."
Ny teny hoe "mahantra" sy ny "ory" dia manondro vondron'olona mitovy ary manamafy fa ireo dia olona tsy afaka manampy ny tenany.
Ny mpamono olona an-tsokosoko dia tahaka ny mpangalatra mangalatra izay tsy misy olona mahita izay ataony. DH: "Mamono olona an-tsokosoko izy, tahaka ny mpangalatra mangalatra mangingina"
Manohy ny fitenenany i Joba.
Ny "maso" eto dia manondro ny tenan'ilay olona iray manontolo. DH: "ny mpijangajanga"
"amin'ny filentehan'ny masoandro"
Ny "maso" eto dia manondro ny tenan'ilay olona iray manontolo. DH: "tsy misy olona hahita ahy"
Misava ny trano izy ireo mba hangalarana avy ao. Io dia azo adika mazava. DH: "misava ny trano ireo olona ratsy fanahy mba hangalarana avy ao"
"miafina tao anatiny"
Ny aizim-pito dia mapahazo aina ny ratsy fanahy tahaka ny maraina amin'ny olona tsotra.
"Ny zava-mampitahotra miseho aminny alina"
Manohy ny fitenenany i Joba.
Fotoana fohy ihany no faharetan'ny roatra. Io dia manamafy ny hafaingan'ny fampanjavonan'Andriamanitra ireo ratsy fanahy.
DH: "Manozona ny anjara-tany izay azy ireo Andriamanitra"
Milaza i Joba fa ireo mpanota dia hanjavona any amin'ny Fiainan-tsita tahaka ny fitsoniky ny oram-panala sy ny fanjavonany rehefa miha mafana.
Ireo teny roa ireo dia mamaritra toetr'andro mitovy ary ampiasaina miaraka mba hilazana izany feno.
Manohy ny fitenenany i Joba.
Io dia manondro ny reny. DH: "Ny reny"
Io diamidika fa ho faty izy ary ny kankana ny hihinana ny vatany. DH: "hankafy ny fihinana ny nofo mangatsiakany ny kanakana" na "ho faty izy ho laninin'ny kanakana ny vatany"
DH: " tsy hisy olona hahatsiaro azy intsony"
Ny fanapotehan'Andriamanitra ny olona ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe nanapaka hazo izy. DH: "Hamotika ny ratsy fanahy toy ny hoe manapaka hazo Andriamanaitra.
Io sarin-teny io dia manamafy ny halozan'ny olona ratsy fanahy. DH: "tahaka ny bibidia mamono ny hazany no fampijalian'ny olona ratsy fanahy"
Ny olona tamin'izany andro izany dia nihevitra fa ny vehivay tsy miteraka dia voaozon'Andriamanitra. Noho izany, io dia mampiseho ny vehivavy mampalahelo indrindra.
vehivavy maty vady
Manohy ny fitenenany i Joba.
"amin'ny fampiasany ny heriny" na "nohon'ny heriny"
Ny "tsy mampatanjaka azy ireo amin'ny fiainana" eto dia midika fa tsy mitazona azy ireo ho velona Andriamanitra. DH: "Andriamanitra dia mitsangana ary tsy manome hery hahafaha-miaina ho an'ireo olona ratsy fanahy" na "Andriamanitra dia mitsangana ka mamono azy ireo"
Ny "maso" eto dia manondro an'Andriamanitra. DH: "saingy mijery izay ataon'izy ireo foana Izy"
Manohy ny fitenenany i Joba.
DH: "Hanetry azy ireo Andriamanitra" na "hamotika azy ireo Andriamanitra"
Ny dikan-teny sasany dia mifototra amin'ny lahatsoratra samihafa tany amboalohany, izay milaza hoe "malazo sy maina tahaka ny ahi-dratsy izy ireo."
Ny "hafa" dia azo adika mazava. DH: "Andriamanitra dia hanagona azy ireo tahaka ny nanangonany ireo olona ratsy fanahy hafa"
Ny olona ratsy fanahy dia hotapahina tahaka ny fandidiana ny salohim-bary aminny fotoam-pinjinjana. DH: "Andriamanitra dia hanapaka azy ireo tahaka ny mpamboly manapaka ny salohim-bary"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny fahamarinan'ny heviny. Ny valin-teny miafina dia "tsy misy." DH: "Marina izany, ary tsy misy afaka manaporofo ahy ho mpandainga; tsy misy afaka manaporofo ahy ho diso."
"hanaporofo fa diso izay lazaiko"
1 Ary Bildada ilay Sohita namaly ka niteny hoe: 2 "Ao aminy ny fanapahana sy ny tahotra; mandamina any amin'ny toerany avo any an-danitra Izy. 3 Misy fetrany ve ny isan'ireo tafiny? Amin'iza no tsy hamirapiratan'ny fahazavany? 4 Ahoana ary no hahamarina ny olona eo amin'Andriamanitra? Ahoana no hampadio izay natera-behivavy, ho azo ekena eo aminy? 5 Indro, fa na dia ny volana aza tsy mamiratra aminy; tsy madio eo imasony ny kintana. 6 Mainka fa ny olona, izay kankana—izay zanak'olombelona, izay kankana!"
Adikao tahaka ao amin'ny 2:11 io anaran-dehilahy io.
Eto, ny "aminy" dia manondro an'Andriamanitra. Ny anarana "fanapahana" sy ny "tahotra" dia azo aseho amin'ny matoanteny. DH: "Ao amin'Andriamanitra ny fanapahana sy ny tahotra" na "manapaka eo amin'ny rehetra Andriamanitra, ary tokony ho Izy irery ihany no atahoran'ny olona"
"any an-danitra" na "any amin'ny lanitra avo"
Mampiasa io fanontaniana io i Bildada mba hanehoany ny halehiben'Andriamanitra. Ny valin-teny andrasana dia "tsia." Io dia manondro ny tafiky ny anjelin'Andriamanitra. DH: "tsy misy fiafarany ny isan'ny anjely ao amin'ny tafiny" na "ireo tafiny dia maro ka tsy misy mahavita manisa azy ireo."
Mampiasa io fanontaniana io i Bildada mba hanehoany fa Andriamanitra dia manome fahazavana ho an'ny olona rehetra. DH: "na misy tsy hamiratan'ny fahazavany." na "mampamiratra ny fahazavany amin'ny olona rehetra Andriamanitra."
Manohy ny fitenenany i Bildada.
Ireo fanontaniana roa ireo dia ampiasaina miaraka mba hanamafisana fa sarotra ho an'ny olona ny ho lavorary eo amin'Andriamanitra.
Ny fihetsika andrasana dia ny tsy fahafahany. DH: "Tsy ho marina eo amin'Andriamanitra mihitsy ny olona iray."
Ny fihetsika andrasana dia ny tsy fahafahany. DH: "Izay natera-behivavy dia tsy afaka ny hadio na ho ekena eo aminy."
"madio_izay, ekena eo aminy"
Io dia fomba fiteny ahitany ny olona rehetra. DH: "na iza na iza"
Ny teny hoe "indro" eto dia tovanana mba hanamafisana izay holazaina manaraka. DH: "eny tokoa"
Ny anarana "fahazavana" dia azo lazaina amin'ny mpamaritra. DH: "Tsy tena mamiratra amin'Andriamanitra ny kintana"
Ny "madio" eto dia midika ho "tonga lafatra." DH: "Tsy heveriny ho tonga lafatra akory ny kintana"
Milaza ny maha olombelona ho maivan-danja tahaka ny kanakan i Bildada. DH: "izay zava-poana toy ny kankana"
Io dia fomba hafa enti-manondro ny olona. DH: "olona"
1 Ary namaly Joba ka nanao hoe: 2 "Endrey ny fanampianao ilay iray izay tsy manan-kery! Endrey ny namonjenao ny sandry izay tsy nanana tanjaka! 3 Endrey ny nanoroanao hevitra ny olona izay tsy manam-pahendrena sy ny nanambaranao fahalalana tsara taminy! 4 Tamin'ny fanampian'iza no nitenenanao ireny teny ireny? Fanahin'iza no nivoaka avy taminao? 5 Zary mangovitra ny maty, dia ireo izay any ambany rano sy ireo rehetra izay mitoetra ao amin'izany. 6 Mitanjaka eo anatrehan'Andriamanitra ny Fiainan-tsy hita; ny faharavana mihintsy no tsy misy fanaronana aminy. 7 Mamelatra ny lanitra avaratra eny amin'ny toerana babangoana Izy, ary mampihantona ny tany eo amin'ny tsy misy. 8 Mampitambatra ny rano ao amin'ny rahony matevina Izy, saingy tsy mitriatra ao ambanin'izany ny rahona. 9 Manarona ny volana izy ary mampiely ny rahony eo amin'izany. 10 Nisokitra faritra boribory teo ambony rano ho fetra eo amin'ny mazava sy ny aizina Izy. 11 Mihovitrovitra ny andrin'ny lanitra ary taitra tamin'ny fitenenany mafy. 12 Nampitony ny ranomasina tamin'ny heriny Izy; tamin'ny fahazavan-tsainy no nampianjerany an-dRahaba. 13 Tamin'ny fofonainy no nampisavany ny lanitra; ny tanany no nanindrona ny menarana teo am-pandosirana. 14 Indro, sombiny amin'ny lalany fotsiny ihany izany; endrey ny halefaky ny bitsika rentsika avy aminy! Iza no afa-mahatakatra ny kotroky ny heriny?"
Amin'ireo fanambarana ireo, Joba dia miampanga an'i Bilodada. Ny teny hoe "izay" dia maondro ny tenany. DH: "tsy manan-kery aho, kanefa ianao manao fihetsika toa hoe manampy ahy_saingy, tsy manampy ahy velively ianao!"
Mampiasa io andian-teny io i Joba mba hamlaritany ny tenany. DH :"izaho, izay tahaka ny sandry izay tsy manana hery " na "ilay tena marefo"
Milaza i Joba fa i Bildada dia tsy manome hevitra na fahalalana tsara ho azy. DH: "Toa manao ahy ho tsy manam-pahendrena ianao ka nanoro hevitra ahy, ka nomenao hevitra tsara aho!"
"nanome hevitra tsara ho azy"
Manohy ny fanesoana an'i Bildada i Joba ao amin'ireo fanontaniana ireo. Samy fanontaniana fampisainana ireo ary mitovy dika amin'ny ankapobeny. Ampiasaina miaraka ireo mba hifanamafisany. DH: "tena nampiana ianao tamin'ny fitenana ireo teny ireo. Mety ho nisy fanahy nanampy anao niteny azy ireo angamba!"
Io dia manondro ny olona maty. DH: "ireo izay maty" na "ny fanahin'ny maty"
Mangovitra izy ireo satria matahotra an'Andriamanitra. Io dia azo adika mazava. DH: "mangovitry ny tahotra" na "mangovitra ny amin'ny fatahorana an'Andraiamanitra"
Io dia milaza ny amin'ireo olona maty izay mangotra.
Io dia milaza ny amin'ireo olona maty izay mangovitra. Ny teny hoe "izany" dia manondro ny rano.
Ny Fiainan-tsy hita dia resahina toy ny hoe olona. Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy dika. Ny "fitanjahana" na ny "tsy fananana firakofana" dia fisehoana tanteraka ary tsy afaka manafina na inona na inona. DH: "tahaka ny Fiainan-tsy hita mitanjaka eo anatrehan'Andriamanitra, tsy misy izay any amin'ny Fiainan-tsy hita, izay toeran'ny faharavana, ka miafina amin'Andriamanitra"
Io anarana hafa ho an'ny Fiainan-tsy hita. DH: "ny toeran'ny faharavana"
ny lanitra avaratra dia mampiseho ny lanitra, toerana izay misy an'Andriamanitra miaraka amin'ireo zavatra izay noforoniny mba hitoetra ao.
Ny rahona dia resahina toy ny hoe bodofotsy matahitra izay amonosan'Andriamanitra ny ranon'orana. DH: "Fonosiny ao amin'ny raho-mateniny ny rano.
Ny teny hoe "izany" dia manondro ny rano. DH: "saingy tsy mampitriatra ny rahona ny havesatry ny rano "
Io andian-teny io dia milaza ny fanaronana ny velaran'ny volana. DH: "amin'ny fampielezany ny rahony eo amin'izany"
Io dia miresaka ny fara-vodilanitra ho toy ny hoe nanamarika faritra teo amin'ny ranomasina Andriamanitra.
Ny olona dia nihevitra ny lanitra na ny habakabaka ho miankina amin'ny andry. Joba dia miresaka ny andry ho toy ny olona izay mihovitrovitra rehefa tezitra Andriamanitra. DH: "Ny andry izany manohana no lanitra dia mihovitrovitry ny tahotra rehefa miteny mafy azy ireo Andriamanitra" na "Ny andry izay manohana ny habakabaka dia mihovitrovitra tahaka ny olona izay matahotra rehefa miteny mafy azy ireo Andriamanitra"
namotihany an-dRahaba
Io dia anarana biby mampitahotra izay mipetraka any anaty ranomasina.
Ny anarana "fofonaina" dia azo adika ko matoanteny "miaina" na "mitsoka." Io sarin-teny io dia mampiseho ny fanaovan'Andriamanitra ny rivotra ho mitsoka ny rahona. DH: "Tamin'ny fitsofana no nanadiovan'Andriamanitra ny habakabaka" na "nitsoka ny rahona Andriamanitra mba hampadio ny rahona"
Eto, ny "tanana" dia mampiseho ny sabatr'Andriamanitra ary ny "manindrona" dia mampiseho famonoana. DH: "Tamin'ny sabany no nanindronany ny ny menarana teo ampandosirana"
"ny menarana izay niezaka ny nandositra Azy." Io dia manondro an-dRahaba, ilay biy any an-dranomasina. Jereo ny 26:11.
Ny "sombiny" eto dia mampiseho ampahany izany azo jerena amin'ny zavatra iray lehibe. DH: "indro, ireo zavatra nataon'Andriamaitra ireo dia mampiseho ny ampahany amin'ny haben'ny heriny ihany"
Io dia filazana fihetsem-po izay maneho ny fahagagan'i Joba ny amin'ireo zavatra lehibe izay ataon'Andriamanitra izay tsy fantantsika akory ny momba azy. DH: "Ny bitsiny malefaka ihany no rentsika"
Ny fahitana ny zavatra ataon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maheno ny feon'Andriamanitra. Ny fahenoana ny halefaky ny bitsiny dia mampiseho kely ihany amin'ny haben'ny zavatra ataony. DH: "toy ny bitsika ihany no heno amin'ny feo maheriny"
1 Dia nanohy niresaka indray Joba ka nanao hoe: 2 "Raha mbola velona tokoa Andrianamanitra, izay nanaisotra ny rariny ho ahy, ilay Tsitoha, izay nampangidy ny fiainako, 3 raha mbola ato amiko ny aiko, ary eo am-bavoroko ny fofon'aina avy amin'Andriamanitra, dia izao no ho ataoko. 4 Tsy hiteny faharatsiana ny molotro, na hiteny fitaka ny lelako; 5 tsy hanaiky mihitsy aho hoe marina ianareo telo; mandra-pahafatiko dia tsy handà ny fahitsiako mihitsy aho. 6 Hazoniko mafy ny fahamarinako ary tsy havelako handeha; tsy handatsa ahy mihintsy ny eritreritro raha mbola velona aho. 7 Aoka ny fahavaloko ho toy ny olona ratsy fanahy; aoka izay mitsangana hanohitra ahy ho toy ny olona tsy marin. 8 Fa inona no fanantenan'ny mpaniratsira rehefa haringan'Andriamanitra izy, rehefa esorin'Andriamanitra ny ainy? 9 Moa ho henon'Andriamanitra ny fitarainany rehefa tonga aminy ny fahoriana? 10 Moa hampiravoravo ny tenany amin'ilay Tsitoha izy ary hiantso an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra? 11 Hampianatra anareo mahakasika ny tanan'Andriamanitra aho; ary tsy hanafina ny eritreritr'ilay Tsitoha aho. 12 Indro, ianareo rehetra mihitsy no nahita ity; koa nahoana ary ianareo no niteny izao zavatra tsy misy dikany rehetra izao? 13 Izao no anjaran'ny olona ratsy fanahy amin'Andriamanitra, ny lovan'ny mpampahory izay raisiny avy amin'ilay Tsitoha: 14 Raha mihamaro ny zanany, dia ho an'ny sabatra izany; tsy ho ampy sakafo mihintsy ny taranany. 15 Ireo izay sisa velona amin'izany dia halevin'ny areti-mandringana, ary ny vady navelan'izy ireo tsy mba mitomany azy ire. 16 Na dia manangona volafotsy toy ny vovoka aza ny olona ratsy fanahy, ary manangona fitafiana toy ny tanimanga, 17 dia mety hanangona fitafiana ihany izy, fa ny olona marina no hitafy izany, ary ny olona tsy manan-tsiny hizara ny volafotsy eo amin'izy ireo. 18 Manangana ny tranony toy ny hala izy, toy ny trano bongo izay ataon'ny mpiambina. 19 Mandry ao am-pandriana amin'ny fananan-karena izy, saingy tsy hijanona amin'izany izy; manokatra ny masony izy, ary lasa ny zavatra rehetra. 20 Mandrendrika azy toy ny rano ny horohoro; maka azy amin'ny alina ny tafio-drivotra. 21 Entin'ny rivotra avy any atsinanana izy, ary lasa; mamafa azy tsy ho eo amin'ny toerany izany. 22 Mampifatratra ny tenany any aminy izany ary tsy mijanona; miezaka ny mitsoaka miala ny tanany izy. 23 Miteha-tanana azy amin'ny fanesoana izany; misiotsioka azy hiala amin'ny toerany izany.
Io andian-teny io dia mampiseho fa i Joba dia manao fianianana. Mampitaha ny fahatokisany ny fahaveloman'Andriamanitra amin'ny fahatokisany ny zavatra teneniny i Joba. Io dia fomba fanaovana fampanantenana manetriketrika. DH: "miniana amin'Andriamanitra aho"
Ny rariny dia resahina toy ny hoe zavatra azo alaina na omena. Ny fanesorana izany dia mampiseho ny fandavana ny hitondra an'i Joba araka ny rariny. DH: "nandà ny hitondra ahy ara-drariny" (UDB)
Ny angidian'ny "fiainan'i " Joba dia mampiseho ny fahatsapany ho tezitra manoloana an'Andriamanitra. DH: "nahatonga ahy ho tezitra" na "nahatonga ahy ho nahatsiaro tezitra nohon'ny fomba tsy rariny nitondrany ahy"
Io dia manondro ny faharetan'ny fiainany. DH: "mandritry ny fotoana rehetra izay mbola hitoeran'ny aiko ato amiko" na "raha mbola ato amiko koa ny aiko"
Ny anarana "aina" dia azo aseho amin'ny mpamaritra "velona" na matoanteny "miaina." DH: "raha mbola velona koa aho" na "raha mbola velona aho"
Ny fofonaina amin'ny vavorona dia mampiseho ny fahafahana miaina. Ary ny "fofonaina avy amin'Andriamanitra" dia mampiseho fanaovan'Andriamanitra ny fahafahana miaina. DH: "Nataon'Andriamanitra ho afa-miaina aho"
"orona"
Ireo andian-teny ireo dia milaza zavatra mitovy, amin'ny ankapobeny ary ampiasaina miaraka mba hanamafisana fa tsy hiteny amin'izany fomba izany izy. Ny teny hoe n"ny molotro" sy ny hoe "ny lelako" dia mampisehoi ny tenan'i Joba. DH: "Tsy hiteny faharatsiana na fitaka tokoa aho"
Ny anarana "faharatsiana" sy ny "fitaka" dia azo aseho amin'ny "amim-paharatsiana" na "amim-pitaka." DH: "hiteny amim-paharatsiana ...hiteny amim-pitaka"
"Tsy hiombon-kevitra aminareo aho ka hilaza fa marina ianareo telo"
Ny teny hoe "ianareo" dia manondro ireo naman'i Joba.
"Tsy hiteny mihitsy aho hoe tsy meloka aho" na "holazaiko foana fa meloka aho"
Ny "mihazona" eto dia sarin-teny izay mampiseho ny fahatapahan-kevitra ny hanohy ny filazana zavatra. Ny anarana "fahamarinana" dia azo aseho amin'ny "marina." DH: "Izaho dia tapa-kevitra ny hanohy ny filazako fa marina aho"
Ny "tsy havelako andeha" eto dia sarin-teny izay mampiseho tsy fitsaharana amin'ny fitenenana zavatra. DH: "tsy hitsahatra hiteny fa marina aho" na "tsy hitsahatra hiteny izany"
Eto, ny "eritreritro" dia mampiseho an'i Joba. DH: "na dia ao an'eritreritro aza, dia tsy handatsa ny tenako aho"
Ireo fehezanteny roa izay manomboka amin'ireo teny ireo dia mitovy ny dikany. Ampiasaina miaraka izy ireo mba hanamafisana ny fanirian'i Joba mafy ny mba hitrangan'izany.
Ny faniriany ny fahavalony ho toy ny olona ratsy fanahy dia azo lazaina mazava tsara. DH: "Aoka ireo fahavaloko ho voasazy tahaka ny olona ratsy fanahy" na "Aoka andriamanitra hanasazy ireo fahavaloko tahaka ny hanasaziany ireo olona ratsy fanahy"
Ny faniriany io olona io ho toy ny olona tsy marina dia azo lazaina mazava tsara. DH: "aoka izay mitsangana hanohitra ahy ho voasazy tahaka ny olona tsy marina"
Eto, ny " mitsangana hanohitra ahy" dia sarin-teny izay midika ho manohitra azy. Ny andian-teny iray manontolo dia manondro ny mpifanandriana amin'i Joba. DH: "izay manohitra ahy" na "ny mpifanadrina amiko"
Mampiasa io fanontaniana i Joba mba hilazany fa ny olona tahaka izay dia tsy manana fanatenana. DH: "Tsy misy fanatenana ho an'ny olona mpaniratsira rehefa ...manala ny fanahiny."
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy ny dikany. DH: "rehefa mandringana azy sy manala ny ainy Andriamanitra" na "rehefa mamono azy Andriamanitra"
Io dia sarin-teny izay midika hoe "mamono azy" na "mahafaty azy"
Io dia sarin-teny izany midika ho "mamono azy" na "mahafaty azy"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hilazany fa tsy hanampy ireo izany olona izany Andriamanitra. DH: "Tsy hihaino azy ireo Andriamanitra rehefa tonga ao amin'izy ireo ny fahoriana." na "rehefa tonga ao amin'izy ireo ny fahoriana ka hiantso vonjy izy ireo, dia tsyhihaino azy ireo Andriamanitra."
Eto, "mihano ny fitarainany" dia mampiseho famaliana fitarainana sy fanampiana ny olona mpaniratsira. DH: "hamaly ny fitarainainany ve Andriamanitra"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hilazany fa ny olona mpaniratsira dia tsy hanao ireo zavatra ireo. DH: "Tsy hampiravoravo ny tenany amin'ilay Tsitoha izy ary tsy hiantso an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra." na "Tsy ho faly amin'izay ataon'ilay Tsitoha izy ary tsy dia hivavaka firy amin'Andriamanitra."
Ny fisehoan'ny "ianareo" ao amin'ireo andininy ireo dia manondro ireo naman'i Joba.
Ny "tanan'Andriamanitra" dia mampiseho ny heriny. DH: "ny herin'Andriamanitra"
Ny anarana "eritreritra" dia azo adika amin'ny matoanteny "mieritreritra." DH: "Tsy hafeniko aminareo izay eritreretin'Andriamanitra"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hitenenany mafy ireo namany ny amin'ny fitenenana zava-poana tahaka izany. DH: "fa kosa niteny izao zavatra tsy misy dikany rehetra izao ianareo." na "tsy tokony niteny tamim-pahadalana ianareo!"
Ny anjaran'ny olona ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra dia manondro izay kasain'Andriamanitra ho azy. DH: "izao no efa nokasain'Andriamanitra ho an'ny olona ratsy fanahy"
Eto, ny "lovan'ny mpampahory" dia sarin-teny fanehoana izay hitranga amin'ny mpampahory. Ny zavatra ho ataon'Andriamanitra aminy dia resahina toy ny hoe lova izay nomen'Andriamanitra ho azy. DH: "izay ho ataon'ilay Tsitoha amin'ny mpampahory"
Ny sabatra eto dia mampiseho ny fahafatesana an'ady. DH: "ho faty an'ady izy ireo"
"ireo izay mbola velona aorian'ny fahatesany." Io dia manondro ny zanaky ny olona ratsy fanahy. Azo adika mazava tsara io. DH: "Ireo izay mbola velona aorian'ny fahafatesan'ny ray ratsy fanahy"
Eto, ny "mandevina" dia mampiseho fahafatesana. DH: "ho fatin'ny areti-mandringana"
ny teny hoe "izy ireo" sy ny "azy ireo" dia manondro ireo izay sisa tavelany," izany hoe, ireo zanaky ny olona ratsy fanahy.
Ny "manangona" dia sarin-teny izay midika ho mandraoka. Joba dia miresaka ny volafotsy ho mora azo tahaka ny vovoka. DH: "mandraoka vovoka misavovona" na "manangona volafotsy mora foana tahaka ny fanangoanany vovoka"
Ny "manangona" dia sarin-teny izay midika ho mandraoka. Joba dia miresaka ny fitafiana ho mora azo tahaka ny tanimanga. DH: "manangona fitafiana misavovona" na "manangona fitafiana mora foana tahaka ny fanangoanany tanimanga"
Aorian'ny "hala", ny andian-teny "manangana ny tranony" dia mazava. DH: "tahaka ny fanorenan'ny hala ny tranony"
Ny tranon-kala dia mora rava. DH: "manorina ny tranony mora rava tahaka fanorenan'ny hala ny tranony izy" na "Manorina tranony mora rava tahaka ny tranon-kala izy"
ny trano bongo dia trano vonjitaitra izay tsy dia mafy ihany. DH: "toy ny trano bongo vonjitaitra"
"Manan-karena izy rehefa mandry eo am-pandriana." Io dia manondro azy matory eo ambony fandriana amin'ny alina.
"saingy tsy hijanona ho manan-karena eo am-pandriana izy" na "saingy tsy manan-karena foana izy rehefa matory eo am-pandriana"
Ny fanokafana maso dia mampiseho azy mifoha amin'ny maraina. DH: "hifoha izy"
"lasa avokoa ny hareny rehetra" na "hanjavona avokoa ny zava-drehetra"
Eto, ny "mandrendrika azy" dia mampiseho ny fitrangana tampoka aminy. Ireo mety ho hevitry ny "horohoro" dia 1) sarin-tenin'ny zavatra izay mampitahotra ny olona. DH: "misy zava-mampihorohoro hiseho tampoka aminy" na 2) tahotra. DH: "lasa matahotra tampoka izy"
"hitsoka azy ny tso-drivo-mahery"
Joba dia miresaka ny fitsofan'ny rivotra ny olona ratsy fanahy toy ny hoe olona mamafa ny vovoka ao an-trano amin'ny kifafa. DH: "mamafa azy tsy ho eo amin'ny toeranay tahaka ny famafan'ny vehivavy ny loto tsy ho ao an-trano izy" na "tsofin'ny rivotra tsy ho eo amin'ny toerany mora foana izy"
"ny tranony"
Ao amin'ny andininy fa 22-23, Joba dia miresaka ny rivotra ho toy ny olona manafika ny olona ratsy fanahy.
Eto, ny "mampifatratra ny tenany any aminy" dia mampiseho ny fifofofofon'ny rivotra mamely azy toy ny mpanafika. DH: "mitsoka mahery manohitra azy tahaka ny olona manafika azy izany"
Ny "tanana" eto dia mampiseho tanjaka na fahefana izay hananany eo amin'ny olona ratsy fanahy. DH: "Miezaka ny mitsoaka ny fahefany izy"
ny fitehafan-tanana dia fomba hanesoana olona. Eto izany dia mampiseho ny rivotra izay mamoaka feo mafy. DH: "mamoaka feo mafy tahaka ny olona mampitehaka ny tanany mba hanesoana azy"
Ny rivotra mamoaka feo dia resahina toy ny hoe mitsoka azy tsy ho eo amin'ny toerany. Toy ny siotsioka izay ataon'ny olona mba hanesoana olona izany. DH: "mamoaka feo misiotsioka toy ny fanesorany azy tsy ho ao amin'ny tranony izany" na "mitsoka azy tsy ho eo amin'ny toerany sy mamoaka feo misiotsioka tahaka ny olona misiotsioka mba hanesoana azy izany"
1 Azo antoka fa misy toeram-pitrandrahana volafotsy, toerana izay fanadiovan'izy ireo volamena. 2 Ny vy dia nalaina avy amin'ny tany; ny varahina dia mitsonika miala avy amin'ny vato. 3 Mampisava ny aizina olona ka mikaroka, hatrany amin'ny fetra lavitra indrindra, ny vato any anaty aizina sy aizin-kitroka. 4 Mihady lavaka miala ny toerana honenan'ny olona izy, toerana izay efa nadinoin'ny olona. Mihantona lavitra ny olona izy; mitsingevaheva etsy sy eroa izy. 5 Raha ny amin'ny tany, izay ivoahan'ny mofo, dia mivadika ao ambany toy ny tamin'ny alalan'ny afo izany. 6 Ny vaton'izany no toerana ahitana ireo safira, ary ny vovony dia misy volamena. 7 Tsy misy vorona mpihaza mahafantatra ny lalana mankao, na ny mason'ny voromahery ka mahita izany. 8 Tsy nisy bibidia matanjaka ka nandia ny lalana tahaka izany, na liona masiaka ka nandalo teo. 9 Ny olona dia mametraka ny tanany eo ambony vato karangana; avadiny hatrany amin'ny fakany ny tendrombohitra. 10 Manapaka fantsona eo amin'ireo vatolampy izy; mahita ny zava-tsarobidy rehetra ao ny masony. 11 Manentsina ny riaka mba tsy hikoriana izy; izay miafina ao amin'izany dia havoakany ho amin'ny mazava. 12 Aiza no hahitana ny fahendrena? Aiza ny toeran'ny fahazavan-tsaina? 13 Ny olona dia tsy mahafantatra ny vidiny; ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izany. 14 Ny rano lalina ambanin'ny tany manao hoe: 'Tsy ato amiko izany'; ny ranomasina manao hoe: 'Tsy aty amiko izany.' 15 Tsy azom-bolamena izany; na ny volafotsy aza tsy azo lanjaina ho vidiny. 16 Tsy mahatombana azy ny volamenan'i Ofira, mbamin'ny beryla sarobidy na safira. 17 Ny volamena sy ny vato krystaly dia tsy azo ampitahaina amin'ny lanjany; ary tsy afaka atakalo amin'ny firavaky ny volamena voadio izany. 18 Tsy ho lazaina akory ny lanjan'ny haran-dranomasina na ny jaspy; eny tokoa, ny vidin'ny fahendrena dia mihoatra noho ny ruby. 19 Ny topazan'i Etiopia dia tsy mifampitaha aminy; na ny tena volamena aza tsy afaka sandaina amin'izany. 20 Koa avy aiza ary, no hiavian'ny fahendrena? 21 Aiza no toeran'ny fahazavan-tsaina? Ny fahendrena dia miafina amin'ny mason'ny zava-manan'aina rehetra ary afenina an'ireo voron'ny habakabaka. 22 Ny Faharavana sy Fahafatesana dia miteny hoe: 'Tsaho ihany no ren'ny sofinay ny amin'izany.' 23 Andriamanitra mahalala ny lalana mankany; fantany ny toeran'izany. 24 Satria Izy mijery hatrany amin'ny fara-vazan-tany ary mahita ny ambanin'ny lanitra rehetra. 25 Nanao ny herin'ny rivotra Izy ary namaritra ny rano araka ny refiny. 26 Nanao didy ho an'ny orana Izy ary lalana ho an'ny tselatry ny kotrok'orana. 27 Dia nahita ny fahendrena Izy ka nanambara izany; nametraka izany Izy, eny tokoa, nandinika izany Izy. 28 Hoy Izy tamin'ny olona hoe: 'Indro, ny fahatahorana ny Tompo—izany no fahendrena; ny fialana amin'ny ratsy no fahazavan-tsaina.'"
Io dia toerana izay hihadian'ny olona olona vato ao ambany tany. Ireo vato ireo dia misy vy miaraka aminy.
Io dia dingana fanatsonihana ny vy mba haesorana ny loto izay ao amin'izany.
DH: "Avy amin'ny tany hangaan'ny olona ny vy"
DH: "mampitsonika ny varahina avy amin'ny vato ny olona" na "mandoro ny vato mba hanatsonihana ny varahina ao amin'izany"
vy mena manopy volon-tany izay tena misy ilàna azy
Io dia dingana amin'ny fandorana vato mba hampitsonika ny vy ao anatiny ka hahazoana ny vy avy amin'ilay vato.
Ny "mampisava ny aizina" eto dia mampiseho ny famiratry ny hazavana ao aminy aizina. Mampiasa afo ny olona, na amin'ny jiro na amin'ny fanilo. DH: "Mitondra hazavana mankao amin'ny aizina ny lehilahy iray"
"hatrany amin'ny farany lavitra amin'ilay toeram-pitrandrahana"
ireo teny roa ireo dia ampiasaina miaraka mba hanamafisana fa ilay aizina dia maizina tanteraka.
Lavaka lalina somary tery izay hadina any ambany tany na ambany vato. Midina any ny olona mba hitrandraka izany.
Toerana izay tsy nadinoin'ny olona dia resahina toy hoe ny tongotr'ny olona izay efa nandeha tany elabe dia efa nanadino ilay toerana. DH: "izay tsy mitsy mandeha intsony"
Ny fomba sy ny toerana hiantonany dia azo lazaina mazava tsara. DH: "lavitry ny olona no hiantonany amin'ny tady ao an-davaka"
Ny "mofo" eto dia sarin-tenin'ny sakafo amin'ny ankapobeny. Ny sakafo mipoitra avy ao amin'ny tany dia sarin-tenin'ny zava-pihinana izay maniry amin'ny tany. DH: "ny tany, izay anirian'ny sakafo,"
Ireo mety ho heviny dia 1) mandrehitra afo ao ambany tany ny olona mba hamakiana vato. DH: "izany vaky ao ambany amin'ny alalan'ny afo izay ataon'ireo mpitrandraka" na 2) ny "mivadika" dia sarin-tenin'ny "miova". DH: "izany dia potika ao ambany toy ny nopotehin'ny afo."
Ny teny "izany" dia manondro ny tany.
Io teny io dia manondro karazana vatosoa mangamanga izay tsy fahita firy sy lafo vidy.
Ireo fehezanteny ireo dia manehjo zavatra mitovy. DH: "Tsy nisy biby mpihaza na voromahery efa nahita ny lalana manka ny amin'ilay toeram-pitrandrahana"
Vorona izay mihinana biby hafa
Io dia azo adika hoe "vorom-be." Ireo dia samy voro-manidina izay mihinana biby madinika. Azonao adika amin'ny vorona mitovy amin'izany any amin'ny kolotsainao izay lehibe sy mihinana biby hafa izany.
Ireo fehezanteny roa ireo dia milaza zvatra mitovy dika.
Io dia manondro ny tena matanjaka, bibidia.
Io dia mampiseho famakiana vato. DH: "mihady vato karangana"
"mampitsingoloka tendrombohitra amin'ny alalan'ny fanongotana ny fakany." Io fanoharana io dia mampiseho ny fihadiana ny tendrombohitra sy ny tany ao ambaniny.
Ny tany ao ambany tendrombohitra dia resahina toy ny ho hazo maniry ilay tendrombohitra ary ny tany ao ambaniny no faka.
Eto ny "masony dia mampiseho azy DH: "mahita izy"
Eto ny "Manentsina ny riaka" dia mampiseho fanaovana tohodrano na fanohanana ny rian-drano. DH: "tohanany mba tsy hikoriana ny rian-drano"
Io dia manondro ny zavatra izay tsy hitan'ny olona raha ny tokony ho izy satria ireo dia ao amban'ny tany na ambanin'ny rano.
Ao amin'ny 28:12-28, ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina dia resahina toy ny hoezava-tsarobidy izay amin'ny toerana sasany ka irin'ny olona ny hahita azy ireo. Ny fitadiavana fahendrena sy fahazavan-tsaina dia mampiseho ny fahatongavana ho hendry sy fianarana hahatakatra zavatra tsara.
Ireo fanontaniana ireo dia midika zavatra mitovy ary ampiasaina miaraka mba hanehoana fa tena sarotra ny fitadiavana fahendrena sy fahazavan-tsaina. DH: "Saingy tena sarotra ny fitadiavana fahendrena sy fahazavan-tsaina."
Ny fahatongavana ho hendry sy fahatongavan-tsaina dia resahina toy ny hoe fahitana fahendrena sy fahazavan-tsaina. DH: "Ahoana no hampahendry ny olona? Ahoana no hianarana mba hahatakatra zavatra tsara?"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny fahendrena dia resahina toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona vidina. DH: "Tsy mahalala izay mendrika ny olona" na 2) ny teny nadika hoe "vidy" dia midika hoe "toerana." DH: "tsy fantatry ny olona ny misy azy"
"ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izany." Ny "tanin'ny velona" dia manondro ny tontolo izay ipetrahan'ny olona. DH: "ary tsy misy olona afaka mahita fahendrena ao amin'izany toerana izany"
Ny rano lalina sy ny ranomasina dia aseho toy ny hoe olona afaka miteny. DH: "Sady tsy ao amin'y rano lalina ambanin'ny tany, no tsy ao anaty ranomasina ny fahendrena"
Io dia milaza an-kolaka fa ny fahendrena dia lafo lavitra noho ny volamena. DH: "tsy voavidiin'ny olona amin'ny volamena ny fahendrena"
Io dia milaza an-kolaka fa ny fahendrena dia mendrika lavitra noho ny volamena. DH: "ary tsy afaka mandanja volafotsy mba hanefana ny vidin'ny fahendrena ny olona"
Io dia milaza an-kolaka fa ny fahendrena dia mitombana lavitra noho ny volamenan'ny Ofira, beryla sarobidy sy safira
Io dia anaran-tany izay nisy volamena tsara.
Vatosoa fotsy lafo vidy
vatosoa manga lafo vidy
Io dia milaza an-kolaka fa ny fahendrena dia mendrika lavitra noho ny volamena sy ny vato krystaly.
vatosoa lafo vidy izay mazava sy mangirangirana ny lokony
ary tsy afaka atakalo amin'ny firavaky ny volamena voadio izany." Io dia milaza an-kolaka fa ny fahendrena dia mendrika lavitra noho ny firavaky ny volamena voadio.
"amidy"
"Tsy misy ilàna azy ny filazana ny haran-dranomasina sy ny jaspy." Io dia milaza an-kolaka fa ny fahendrena dia mendrika lavitra noho ny haran-dranomasina sy ny jaspy izay tsy misy dikany amin'ny Joba akory filazana zavatra mahakasika ireo. DH: "tsy handrera-tena hilaza ny haran-dranomasina ny jaspy aho" na "ny haran-dranomasina sy ny jaspy dia tsy misy dikany raha ampitahaina amin'ny fahendrena"
Io dia zava-tsarobidy izay mitombo any ambanin'ny ranomasina.
Ireo dia vato lafo vidy.
Io dia milaza an-kolaka fa ny fahendrena dia mendrika lavitra noho ny topaza.
"ary ny fahendrena dia tsy azo ampitahaina amin'ny volamena tena izy." Io dia milaza an-kolaka fa ny fahendrena dia mendrika lavitra noho ny volamena tena izy.
Mampiasa io fanongtaniana io i Joba mba hampidirany ny fahazoan'ny olona fahendrena sy fahazavan-tsaina. DH: "Holazaiko anareo ny fihavian'ny fahendrena sy ny toerana misy ny fahazavan-tsaina." na "holazaiko anareo ny fomba mampahendry sy ny fomba fianarana mba hahatakarana zavatra"
Ny fahendrena dia resahina toy ny hoe any amin'ny toerana iray ary mankany amin'ny olona. Ny fahatongavany dia mampiseho ny fatongavanan'ny olona ho hendry. DH: "Miha hendry ny olona" na "ahoana ary no hampahendry ny olona"
Ny fahazavan-tsaina dia resahina toy ny hoe any amin'ny toerana iray. DH: "Aiza no ahazoan'ny olona fahazavan-tsaina" na "ahoana no hianaran'ny olona hahatakatra zavatra"
Io dia mapiseho fa ny zava-manan'aina rehetra dia tsy afaka mahita ny fahendrena. DH: "tsy misy zava-manan'aina afaka mahita fahendrena"
Io dia mapiseho ny fahitan'ny vorona ny fanendrena. DH: "ary na dia ny vorona izay manidina eny amin'ny habakabaka aza dia tsy afaka mahita ny fahendrena"
Eto, ny "Faharavana" na "Fahafatesana" dia sarin-tenin'ny toerana alehan'ny olona rehefa maty. Ireo dia resahina toy ny olona afaka miteny.
Ny fahendrena dia resahina toy ny hoe toerana iray. DH: "Andriamanitra dia mahalala ny fomba ahitana ny fahendrena. Fantany ny misy azy"
"ny toerana lavira indrindra amin'ny tany"
Io dia mampiseho ny nandidian'Andriamanitra ny haben'ny rano isaky ny toerany avy. Ireo mety ho heviny dia 1) ny tokony ho hamaron'ny orana isaky ny rahona na 2) ny tokony haben'ny rano isaky ny ranomasina. DH: "nandidy ny tokony ho haben'ny rano isaky ny toerany" na "nametraka ny haben'ny rano izay efa nokasainy isaky ny toerana avy"
Ireo mety ho heviny dia 1) nandidy ny tokony ho firifatry ny telatra Izy na 2)nandidy ny tokony halehan'ny kotrok'orana Izy.
Ny anarana "fahatahorana" dia azo aseho amin'ny matoanteny "matahotra" na "manaja." Ny anarana "fahendrena" dia azo aseho amin'ny teny hoe "hendry." DH: "raha matahotra an'Andriamanita ianao_dia ho hendry"
Eto, ny " fialana amin'ny ratsy" dia mampiseho ny fandavana ny zava-dratsy. Ny anarana "fahazavan-tsaina" dia azo adika amin'ny matoanteny "Mahatakatra." DH: "Ny fanadavana ny hanao ratsy no fahazavan-tsaina" na "raha mandà ny hanao ratsy ianao, dia hahatakatra zavatra tsara"
1 Nanohy niteny Joba ary nanao hoe: 2 "Eh, raha mba toy ny tamin'ireny volana lasa fony nikarakaran'Andriamanitra ahy ireny mantsy aho, 3 fony namirapiratra teo an-dohako ny jirony, ary fony namakivaky ny aizina tamin'ny fahazavany aho. 4 Eh, raha mba toy ny tamin'ny andron'ny fatoizako fony ny fisakaizan'Andriamanitra tao an-tranoko ireny mantsy aho; 5 fony mbola niaraka tamiko ny Tsitoha, ary mbola nanodidina ahy ireo zanako, 6 fony voarakotra ronono ny lalako, ary ny vatolampy nandrotsaka rian-diloilo ho ahy! 7 Raha nivoaka ny vavahadin'ny tanàna aho, raha nipetraka tamin'ny toerako teo an-kianjan'ny tanàna aho, 8 dia nahita ahy ary nijanona lavitra ahy tamim-panajana ireo tovolahy, ary ny olona antitra nitsangana ka nijoro ho ahy. 9 Nijanona tsy niteny ny andriandahy rehefa tonga aho; nanampina ny vavany tamin'ny tanany izy ireo. 10 Nangina ny feon'ireo olo-manan-kaja, ary niraikitra teo amin'ny lanilaniny ny lelan'izy ireo. 11 Fa rehefa avy nandre ahy ny sofiny, dia nitso-drano ahy izy ireo; rehefa avy nahita ahy ny masony, dia nijoro vavolombelona ho ahy sy nanaiky ahy izy ireo 12 satria nanavotra ny olona izay nahantra aho rehefa nitaraina izy, ary ny olona izay kamboty ray rehefa tsy nanana na iza na iza hanampy azy izy. 13 Ny tso-dranon'izay efa ho faty dia tonga tamiko; nahatonga ny fon'ireo mpitondrantena hihira fifaliana aho. 14 Mitafy fahamarinana aho, ary nampitafy ahy izany; ny fahamarinana dia toy ny akanjo lava sy satroka. 15 Maso ho an'ireo olona jamba aho; tongotra ho an'ireo olona malemy aho. 16 Ray ho an'ireo olona ory aho; nandinika ny ady aho na dia ny an'ny olona izay tsy fantatro aza. 17 Namotika ny valanoranon'ny olona tsy marina aho; nanongotra ny niharam-boina avy teo amin'ny nifiny aho. 18 Dia hoy aho hoe: 'Ho faty ao amin'ny akaniko aho; hampitombo ireo androko toy ny vovom-pasika aho. 19 Misandrahaka eo amin'ny rano ireo fakako, ary ny ando nitoetra teo amin'ireo rantsako ny alina tontolo. 20 Ny voninahitra ao amiko dia vaovao lalandava, ary ny tsipìkan'ny heriko dia vaovao lalandava eo an-tanako.' 21 Nihaino ahy ireo olona; niandry ahy izy ireo; nangina mba hihaino ny toro-hevitro izy ireo. 22 Rehefa vita ny teniko, dia tsy niteny intsony izy ireo; nitete toy ny rano teo amin'izy ireo ny teniko. 23 Niandry ahy lalandava toy ny niandry orana izy ireo; nampisanasana ny vavany izy ireo mba hisotro ny teniko, tahaka izay hataon'izy ireo amin'ny fara-orana. 24 Nitsiky tamin'izy ireo aho rehefa tsy nanampo izany izy ireo; tsy mba nandà ny fahazavan'ny tavako izy ireo. 25 Nifidy ny lalan'izy ireo aho ary nipetraka ho lehibeny; niaina toy ny mpanjaka omban'ny tafiny aho, toy ny olona izay mampionona ireo mpisaona.
Mampiasa io filazana fihetsem-po io i Joba mba hanehoany faniriana. DH: "iriko raha mba toy ireny tamin'ny volana lasa ireny aho"
Ny famiratry ny jiron'Andriamanitra amin'ny Joba dia mampiseho fitahiana an'i Joba. DH: "fony tahaka ny jiro mampamiratra ny hazavany teo alohako ny fitahiana'Andriamanitra"
Ny famakivakiana aizina dia mampiseho ny fiainana zava-tsarotra.
Joba dia miresaka azy fony tanora sy natanjaka toy ny hoe fotoana izay fatoizan'ny vokatra. DH: "fony tanora sy natanjaka aho"
Ny anarana "fisakaizana" dia azo adika amin'ny anarana "sakaiza." Ny teny hoe lay dia mampiseho ny tranon'i Joba; DH: "fony sakaizako sy niaro ahy Andriamanitra"
"fony tondra-dronono ny lalako." Mampiasa io fanoharana io i Joba mba hanehoany fa nanana omby maro izy ary ireo dia nahazoana ronono betsaka noho izay ilainy sy ilain'ny fianakaviany. DH: "fony namokatra ronono maro ny ombiko"
"ary nadraraka diloilo ho ahy ny vatolampy." Mampiasa io fanoharana io i Joba mba hanehoany fa nanana divay oliva sy menak'oliva maro dia maro izy. Ny vato dia ireo mpanompony izay nitery ny menaka mba hivoaka avy ao amin'ny oliva. DH: "fony nitery menak'oliva maro dia maro ireo mpanompoko" na "fony nikoriana toy ny rian-drano avy amin'ny vato famiazana ny menaka"
Io dia toerana malalaka amin'ny zana-bohitra na tanàna izay hiaonan'ny lalana roa na mihoatra.
Io dia mariky ny fanajana. Io dia azo adika mazava tsara. DH: "nitsangana ary nijoro am-panajana ho ahy"
Io dia mariky ny fanajana.
Nanao izany izy ireo mba hanehoany fa tsy hiteny izy ireo. Io dia mariky ny fanajana an'i Joba.
DH: "nampangina ny feony ireo olo-manan-kaja" na "Nitsaha-niteny ireo olo-manan-kaja"
Io dia mampiseho ny fanajan'izy ireo fatratra an'i Joba, tsy niteny na inona na inona izy ireo. DH: "ary nahatsapa izy ireo fa tsy afaka niteny" na "ary tsy nahateny na inona na inona izy ireo"
Ny sofina dia mampiseho ireo izay naheno azy, ary ny maso dia mampiseho ireo izay nahiyta azy. DH: "rehafa avy nadre izay nolazaiko azy izy ireo ...rehafa avy nahita ahy izy ireo"
"nijoro vavolombelona tamim-pankasitrahana ho ahy izy ireo"
Ny "olona mahantra" eto dia mampiseho olona mahatra rehetra. DH: "nanavotra ireo olona mahantra izay nitaraina aho"
Ny tso-dranon'ny olona iray mankany amin'ny hafa dia mampiseho fa mitso-drano ny hafa ilay olona. DH: "Izay efa eo am-bavahoana dia nitso-drano ahy"
Eto, ny "fon'ireo mpitondrantena" dia mampiseho ny varavarankely rehetra. DH: "nataoko nihira tamim-pifaliana ny varavaran-kely"
Matetika fahamarinana dia resahin'ny olona toy ny hoe fitafiana. DH: "Nanao izay marina aho, ary izany tahaka ny akanjo notafiako"
Matetika fahamarinana dia resahin'ny olona toy ny hoe fitafiana. DH: "Nanao rariny aho, ary izany dia tahaka ny akanjo lava sy satroka notafiako"
lamba lava izay ahodidin'ny lehilahy amin'ny lohany ary satrohany.
Io dia mampiseho ny fanampiana olona jamba. DH: "Tahaka ny maso ho an'ny olona jamba aho" na "nitarika ireo olona jamba aho"
Io dia mampiseho ny fanampiana olona kilemaina. DH: "toy ny tongotra ho an'ireo olona mandringa aho" na "nanohana ny olona mandringa aho"
Eto, ny "ray aho" dia mampiseho ny fanomezana ho an'ny olona. DH: "Nanome ho an'ireo olona ory tahaka ny ray manome ho an-janany aho"
Ao amin'ny andininy 18-20, Joba dia miresaka mahakasika ny zavatra nolazainy mialohan'ny nitrangan'ny zava-doza taminy.
Miresaka ny olona tsy marina izay manenjika ny hafa toy ny bibidia mamely ny hazany amin'ny alalan'ny fanamborana azy ireo amin'ny nifiny i Joba. DH: "Natsahatro tamin'ny fanenjehana ny olona ireo olon-tsy marina, tahaka ny famotehan'ny olona ny valanoranon'ny bibidia ka manavotra ny hazany tsy ho eo amin'ny nifiny"
Nhy "akaniko" eto dia mampiseho ny tranon'i Joba sy nyu fianakaviany. Joba dia miresaka azy toy ny hoe vorona izay mipetraka ao anaty akany miaraka amin'ny zana-borona. DH: "Ho faty ao an-trano miaraka amin'ireo fianakaviako aho" (UDB) na "ho faty am-pilaminana ao an-tranoko aho"
Joba dia miresaka ny androm-piainany toy ny hoe maro tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina. Io dia fanitarana entina hanehoana fa ho ela velona izy. DH: "Hiaina fotoana ela aho" na "hiaina taona maro aho"
Niresaka ny tanjany ho toy ny hazo tsara tondraka i Joba.
Nyu anarana "voninahitra dia azo aseho amin'ny matoanteny "manome voninahitra." Eto, ny "vaovao" dia mampiseho ny voninahitra vao nomena vao teo no eo. DH: "manome voninahitra ahy eo no eo ny olona" na "manome voninahitra ahy lalandava ny olona"
Eto ny "nitete toy ny rano teo amin'izy ireo" mampiseho ny famelombelomana ny olona mihaino azy. Ny anarana "teny" dia azo aseho amin'ny maoanteny "miresaka" na "miteny." DH: "Namelombelona ny fon'izy ireo tahaka ny teten-drano izay mamelombelona ny tenan'olona ny teniko" na "izay noteneniko azy ireo dia namelombelona azy ireo tahaka ny rano mitete"
Miandry an'i Joba am-pitoniana ary manantena zava-tsoa ireo olona.
Io dia mampiseho ny fiandrasana an'i Joba amim-paharisihana mba hiteny mba hahazoana tombotsoa amin'izay voalazany. DH: "Miandry ahy amim-parisihana mba hiteny izy ireo mba hahazoana tombontsoa amin'izay lazaiko"
"tahaka ny fiandrasan'ny mpamboly fatratra ny fara-orana"
Io dia manondro ny oram-be izay milatsaka mialohan'ny vanim-potoana main-tany
Azo lazaina mazava fa ny tanjon'ilay fitsikiana dia mba ho fampirisihana azy ireo. DH: "Nitsiky tamin'izy ireo aho mba hampirisihana azy ireo"
Io dia mampiseho fahatsorana izay itan'izy ireo teny amin'ny tavan'i Joba.
Eto, ny "nifidy ny lalan'izy ireo" dia mampiseho ny fandidiana izay tokony hataon'izy ireo.
Eto, ny "nipetraka" dia mampiseho ny fanapahana na fitarihana. Nipetraka ny Lehibe rehefa mandray fanapahan-kevitra lehibe. DH: "nitarika azy ireo toy ny lehibeny"
Joba no lehiben'izy ireo. DH: "nitarika azy ireo satria izaho ny lehiben'izy ireo"
Joba dia miresaka ny fomba nitarihany ny vahoaka sy ny nankatoavan'izy ireo azy toy ny hoe mpanjaka izy ary izy ireo ny tafiny.
Io andian-teny io dia midika fa i Joba dia ilay mpamahery olona raha ny marina. DH: "nampahery azy ireo aho rehafa ory izy ireo"
1 Ankehitriny ireo izay tanora noho izaho dia tsy manana na inona na inona afa-tsy fanesoana ho ahy— dia ireo tovolahy izay tsy navelako hiasa eo akaikin'ny amboan'ny biby fiompiko ny rain'izy ireo. 2 Eny tokoa, ny herin'ny tanan'ireo rainy, ahoana no nahafahan'izany nanampy ahy— ireo lehilahy izay foana ny herin'ny taonan'ny fahamatoran'izy ireo? 3 Nahia nohon'ny fahantrana sy ny hanoanana izy ireo; nihinana tamin'ny tany maina anaty aizin'ny tany efitra sy rava izy ireo. 4 Nioty tsimon-kazo mangidy sy ravin-boaroy izy ireo; ny fakan'ny anjavidy no sakafon'izy ireo. 5 Noroahina tsy ho eo amin'ny olona izay nanakora azy ireo tahaka ny fanakoran'ny olona iray ny mpangalatra izy ireo. 6 Koa tsy maintsy nonina tany an-dohasahan-driaka izy ireo, tao an-davaky ny tany sy ny vatolampy. 7 Naneno toy ny ampondra teo amin'ireo voaroy izy ireo; ary tao ambanin'ireo voaroy no niarahan'izy ireo niangona. 8 Zanak'adala izy ireo, eny tokoa, zanak'olona tsy manan-kaja izy ireo! Noroahina hiala tamin'ny tany tamin'ny karavasy izy ireo. 9 Fa ankehitriny, lasa hira fanesoana ho an'ireo zanany aho; eny tokoa, lasa fihomehezana ho azy ireo aho ankehitriny. 10 Mankahala ahy sy mijoro lavitra ahy izy ireo; ary tsy mitsahatra ny mandrora ny tavako. 11 Fa Andriamanitra namaha ny tady tamin'ny tsipìkako sy nampahory ahy, ary ireo izay manaratsy ahy dia nanipy ny fanereny teo anatrehan'ny tavako. 12 Eo amin'ny tanana an-kavanako no hitsanganan'ny androvolahy; mandroaka ahy izy ireo ary manao dongon-tany hanao fahirano ahy. 13 Ravàn'izy ireo ny lalako; atosik'izy ireo ho eo amiko ny loza, dia ireo lehilahy izay tsy misy na iza na iza hitazona azy ireo. 14 Tonga hanohitra ahy toy ny tafika avy amin'ny lavaka lehibe iray eo amin'ny mandan'ny tanàna izy ireo; eo afovoan'ny ny faharinganana no anakendain'izy ireo ahy. 15 Mitodika amiko ny fampihorohoroana; notsofina toy ny entin'ny rivotra ny voninahitro; levona toy ny rahona ny fanambinako. 16 Ankehitriny dia mivoaka avy ao anatiko ny aiko; androm-pijaliana maro no nihazona ahy. 17 Voatrobaka ny taolako ato anatiko amin'ny alina; tsy mitsahatra ireo fanaintainana izay mihatra amiko. 18 Naka ny fitafiako ny herin'Andriamanitra lehibe; manodidina ahy toy ny vozon'ny akanjoko izany. 19 Nanipy ahy tao anaty fotaka izy; lasa toy ny vovoka sy lavenona aho. 20 Mitaraina aminao aho, ry Andriamanitra, fa tsy mamaly ahy Ianao; mitsangana aho, fa mijery ahy fotsiny Ianao. 21 Niova Ianao ary lasa lozabe tamiko; amin'ny herin'ny tananao no anenjehanao ahy. 22 Manandratra ahy eo amin'ny rivotra Ianao ka mampitondra azy ahy; mampivezivezy ahy anaty tafio-drivotra Ianao. [1]23 Fa fantatro fa hitondra ahy ho amin'ny fahafatesana Ianao, ho amin'ny trano izay voalahatra ho an'ny zava-manan'aina rehetra. 24 Na izany aza, moa ve tsy misy na iza na iza maninjitra ny tanany hitalaho famonjena rehefa lavo izy? Moa ve tsy misy olona manana olana ka miantso vonjy? 25 Tsy nitomany ho an'izay tra-pahoriana ve aho? Ary tsy nalahelo ny olona ory ve aho? 26 Rehefa nikatsaka ny tsara aho, dia ny ratsy no tonga; rehefa niandry ny hazavana aho, dia ny aizina indray no tonga. 27 Ory ny foko ary tsy manam-pitsaharana; tonga tamiko ireo andron'ny fahoriana. 28 Efa nandehandeha toy ny olona izay nonina tao anaty aizina aho, fa tsy nohon'ny masoandro; mijoro ao amin'ny fiangonana aho ary mihiaka famonjena. 29 Rahalahin'ireo amboadia aho, naman'ireo ostritsa. 30 Mainty ny hoditro sady miendaka amiko; doran'ny hafanana ny taolako. 31 Noho izany dia mifanaraka amin'ny hira fisaonana ny lokangako, ary ny sodiko ho an'ny hiran'ireo izay mitomany.
Ny anarana "fanesoana" dia dia azo aseho amin'ny matoanteny "maneso." DH: "maneso ahy ihany"
Io dia mapiseho ny haben'ny nanaovany tsinontsinona ireo ray ireo. Izy ireo dia mbola ratsy noho ny amboany. DH: "Ireo izay notsinotsinoaviako ray sy tsy navelako hiasa eo akaikin'ny amboan'ny biby fiompiko"
Ny fifandraisan'ny alika amin'ny biby fiompy dia azo lazaina mazava tsara. DH: "ny alika izay niambina ny biby fiompiko"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny fahalemen'ireo lehilahy ireo. DH: "Ny herin'ny tanan'ny rain'izy ireo dia tsy afaka nanampy ahy ...foana."
Ny fahafoanan'ny herin'izy ireo dia sarin-tenin'ny tsy fahatanjahana intsony fa efa marefo. Ny andian-teny "taonan'ny fahamatorana" dia manondro ny fahanteran'izy ireo. DH: "ireo lehilahy izay efa miha antitra sy tsy manana hery intsony" na "ireo lehilahy izay efa miha antitra sy marefo"
Ny teny "izy ireo" dia manondro ny rain'ireo zatovo mpaniratsira.
Ny anarana "fahantrana" dia azo adika amin'ny teny hoe "mahantra." Ny anarana "hanoanana" dia azo adika amin'ny teny hoe "noana" na "mosarena" DH: "Tena nahia izy ireo satria nahantra sy mosarena"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny "tany maina" dia sarin-tenin'ny faka maina izay maniry ao ambanin'ny tany. DH: "nitsako ny faka maina izay hitan'izy ireo tao ambany tany izy ireo" na 2) "nihina tamin'ny tany maina" dia sarin-tenin'ny fihinana izay rehetra hita teny amin'ny tany maina.
Manohy ny firesahany ny mahakasika ny rain'ireo mpaniratsira i Joba.
Ireo dia zava-maniry izay hanin'ny olona rehafa tsy mahita zavatra hohanina tsaratsara kokoa izy ireo.
Ireo mety ho heviny dia 1) nihinana ny fakan'ny hazo anjavidy ny olona na 2) nanafana ny tenany tamin'ny fandorana fakan'anjavidy ny olona.
Ny teny "noroahina" dia midika hoe "noterena handao." DH: "Ireo olona nanakora azy ireo tahaka ...ny mpangalatra ary noterena handao azy ireo"
"nanakora azy ireo toy ny mpangalatra izy ireo"
DH: "mitaraina ny amin'ny hanoanany;"
DH: "manao fihatsika toy olona tsy misy saina."
DH: "Noroahina hiala tamin'ny tany tahaka ny olon-dratsy"
DH: "mbola mandrora amin'ny tavako izy ireo!"
DH: "nesorin'Andriamanitra ny heriko fiarovako ny tenako."
"mamely ny heriko ireo jiolahim-boto" na "mamely ny voninahitro ny vahoaka"
Fantatr'i Joba fa miomana ny hamely azy ireo fahavalony, tahaka ny tafika miomana ny handrava ny rindrina fiarovana manodidina ny tanàna iray.
Mampitaha ny zava-misy aminy amin'ny tanàna ao anaty fanafihana miaraka amin'ny lavaka eo manda fiarovan'izany i Joba.
DH: "Nitsoka ny voninahitro ny rivotra,"
Izay zavatr'i Joba dia levona toy ny rahona miseho tampoka ary avy eo manjavona tampoka teo amin'ny habakabaka.
Mahatsapa i Joba fa ho faty izy.
Miresaka ny fanaintainany ho toy ny mbola velona i Joba.
Milaza i Joba fa nampietry azy Andriamanitra.
Io teny io dia midika ho ratsy fanahy.
Ny teny "tanana" dia mampiseho ny herin'Andriamanitra.
Io fomba fanehoan-kevitra io dia mampiseho ny fijaliana faratampony izay nampizakain'Andriamanitra an'i Joba.
Ny "trano" dia mampiseho toerana izay alehan'ny olona maty.
Izany dia ny zavatra velona rehetra amin'izao fotoana izao, kanefa mbola fo faty indray andro any.
Ireo mety ho heviny dia 1) "nanampy ny olona lavo aho raha nila fanampiana izy ireo. Nanampy ireo tra-doza aho raha nila fanampiana izy ireo." na 2) "Lavo aho, ary Andriamanitra dia tsy tokony hihevitra ahy ho manao ratsy raha mila ny fanampiany aho. Azon-doza aho, mazava hoazy aho noho izany raha miantso vonjy!"
"Fantatra aho fa nitomany ...fahoriana, ary nalahelo ny olona ory!"
Eto, ny "hazavana" dia mampiseho ny fitahian'Andriamanitra sy ny fankasitrahana ary ny "aizina" dia mampiseho ny olana sy fijaliana.
Miresaka ny fony toy ny olona i Joba.
Eto i Joba dia miresaka ny hamaizin'ny alahelony sy ny fahadisoam-panantenany. DH: "Ao anaty aizim-pito sy aizina lalandava aho."
Mampitaha ny fiantsoantsony ao anaty loza amin'ny feon'ny amboadia sy ostritsa i Joba.
Eto, ny "taolana" dia manondro ny tenany iray manontolo, izay mijaly nohon'ny fanaviana.
Ny "tomany" dia feo, kiakiaka lavareny noho ny alahelo na fanaintainana.
1 Efa nanao fanekena tamin'ny masoko aho; koa ataoko ahoana ny hijery ombam-pitsiriritana ny virijiny? 2 Fa inona no anjara avy amin'Andriamanitra ambony, ilay lova avy amin'ilay Tsitoha any amin'ny avo indrindra? 3 Nieritreritra foana aho fa ny loza dia ho an'ny olona tsy marina, ary ny fahoriana no ho an'ny mpanao ratsy. 4 Moa tsy hitan'Andriamanitra ve ny lalako ary isainy ny diako rehetra? 5 Raha nandeha tamin'ny lainga aho, raha nandeha faingana ho amin'ny fitaka ny tongotro, 6 dia aoka aho ho lanjaina amin'ny mizana mba hahafantaran'Andriamanitra ny fahitsiako. 7 Raha niala tamin'ny lala-marina ny diako, raha nandeha nanaraka ny masoko ny foko, raha nisy pentina nandoto ny tanako, 8 dia aoka aho hamafy ary aoka hihinana ny hafa; eny tokoa, aoka ho fongorana amin'ny sahako ny vokatra. 9 Raha voafitaky ny vehivavy ny foko, raha nandry tam-piandrasana teo am-baravaran'ny mpiara-belona tamiko ny vadiny aho, 10 dia aoka ny vadiko hitoto vary ho an'ny lehilahy hafa, ary aoka ireo hafa hiankohoka eo aminy. 11 Fa ho heloka bevava mahatsiravina izany; eny tokoa, ho heloka bevava ho sazian'ny mpitsara izany. 12 Satria izany dia afo izay mandevona ny zavatra rehetra ho an'ny Fianinan-tsy hita sy handoro ny vokatro rehetra. 13 Raha tsy niraharaha ny fangatahana rariny avy tamin'ny mpanompoko lahy na vavy aho rehefa niady hevitra tamiko izy ireo, 14 dia inona ary no hataoko rehefa mitsangana hiampanga ahy Andriamanitra? Rehefa ho avy hitsara ahy Izy, dia ahoana no havaliko Azy? 15 Moa ilay iray izay nanao ahy tao am-bohoka tsy nanao azy ireo koa? Moa tsy iray ihany no namolavola anay rehetra tao am-bohoka? 16 Raha nanakana ny olona mahantra tamin'ny fanirian'izy ireo aho, 17 na raha nanapahina ny mason'ny mpitondratena tamin'ny fitomaniana, na raha nihinana ny sombin-kaniko irery aho ary tsy namela ireo izay kamboty hihinana izany koa— 18 satria nihalehibe niaraka tamiko toy ny niaraka tamin'ny ray hatramin'ny fahazazako ny zaza kamboty, ary nitarika ny reniny aho, izay mpitondratena, avy tao an-kibon-dreniko. 19 Raha nahita olona efa ho faty nohon'ny tsy fananana akanjo aho, na raha nahita mahantra tsy nanana akanjo; 20 raha tsy nisaotra ahy ny fony noho izy tsy nafana tamin'ny volon'ondriko, 21 raha nanandratra ny tanako hanohitra ny olona kamboty aho satria nahita ny fanohanako teo am-bavahadin'ny tanàna, dia mitondrà fiampangana ahy! 22 Raha nanao ireo zavatra ireo aho, dia aoka ny soroko hianjera hiala amin'ny taolan-tsoroko, ary aoka ny sandriko ho tapaka amin'ny tonon-taolany. 23 Satria natahotra ny fahapotehana avy amin'Andriamanitra aho; nohon'ny voninahiny, dia tsy afaka nanao ireo zavatra ireo aho. 24 Raha nanao ny volamena ho fanantenako aho, ary raha niteny tamin'ny volamena tsara aho hoe: 'Ianao no atokisako'; 25 raha nifaly nohon'ny halehiben'ny hareko aho, satria nahazo fananana maro ny tanako, dia mitondrà fiampangana ahy! 26 Raha nahita ny masoandro aho rehefa namirapiratra izany, na ny volana mandehandeha amin'ny famirapiratany, 27 ary raha voasarika mangingina ny foko, hany ka nanoroka ny tanako mba hiderana azy ireo ny molotro— 28 dia ho heloka bevava hosazian'ireo mpitsara ihany koa izany, satria efa nandà ilay Andriamanitra izay ao ambony aho. 29 Raha nifaly tamin'ny fahapotehan'izay nankahala ahy aho na niarahaba tena rehefa tratran'ny loza izy, dia mitondrà fiampangana ahy! 30 Eny tokoa, tsy navelako hanota akory ny vavako tamin'ny fangatahana ny ainy tamin'ny ozona. 31 Raha tsy mbola niteny mihintsy ireo olona ao amin'ny laiko hoe: 'Iza no afaka mahita ilay tsy vokin'ny sakafon'i Joba?' 32 (na ny vahiny aza dia tsy voatery nijanona teo an-kianjan'ny tanàna, satria nanokatra ny varavarako ho an'ny mpandeha foana aho), ary raha tsy izany, dia mitondrà fiampangana ahy! 33 Raha, nanafina ireo fahotako tamin'ny fanafenana ny heloko tao anatin'ny akanjo lavako, toy ny olombelona aho 34 (satria natahotra ny maro an'isa aho, satria nampihorohoro ahy ny tsy firarahian'ny fianakaviana, hany ka nangina aho ary tsy nandeha tany ivelany), dia mitondrà fiampangana ahy! 35 Indrisy, raha mba nisy olona nihaino ahy mantsy! Indro, inty ny soniako; aoka hamaly ahy ilay Tsitoha! Raha mba nanana ny fiampangana izay nosoratan'ny mpanohitra ahy mantsy aho! 36 Hitondra izany eo an-tsoroko tokoa aho, hanaovako tahaka ny satro-boninahitra izany. 37 Hanambara aminy ny isan'ny diako aho; tahaka ny andriandahy mahatoky no hiakarako any aminy. 38 Raha mitaraina manohitra ahy ny taniko, ary miara-mitomany ny baingany, 39 raha nihinana ny vokany nefa tsy nandoa izany aho na nahatonga ireo tompony hamoy ny ain'izy ireo, 40 dia aoka ireo tsilo no haniry fa tsy vary ary tsimparifary fa tsy vary ordea." Tapitra ny tenin'i Joba.
Manohy ny fitenenany i Joba.
DH: "Efa nianiana tamin'ny tenako aho fa tsy hijery ombam-pilàna ny vehivavy aho"
Mampiasa i fanontaniana io i Joba mba hanamafisany fa tsy hanafoana ny fampanantenany mihitsy izy. DH: "Koa tsy hijery ombam-pitsiriritana ny virijiny mihitsy aho"
Ireo dia midika zavatra mitovy. Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanamafisany fa tsy hanome na inona na inona azy Andriamanitra raha manota sy manafoana ny fampanantenany izy.
Manohy ny fitenenany i Joba.
Eto, ny "lalako" sy ny "diako" dia manondro ny fitondran-tenan'i Joba. Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba ho fanamafisana. DH: "Mahita ahy sy mahalala ny zavatra ataoko tokoa Andriamanitra."
Manohy ny fitenenany i Joba.
Ao amin'ny 31:5-40, Joba dia manoritsoritra ny fahasamihafan'ny zava-misy izay naha- mendrika azy ny fanasazian'Andriamanitra. Kanefa, fantany fa tsy marina ireo ary tsy meloka izy.
DH: "nahavita zava-tsy marina na ninia namitaka olona"
Mampiasa mizana ny olona mba handanjana zavatra ka mamaritra ny lanjan'izany. DH: "Aoka Andriamanitra hitsara ahy amim-pahamarinana"
Manohy fanoritsoritana ny zava-misy izay naha- mendrika azy ny fanasazian'Andriamanitra i Joba, kanefa fantany fa tsy marina ireo.
DH: "Raha nitsahatra tamin'ny fanaovana ny marina aho"
DH: "Raha nitsahatra tamin'ny fanaovana ny marina aho"
DH: "Raha meloky ny fahotana rehetra aho"
DH: "aoka ny olon-kafa ho avy ka haka ny vokatra eo amin'ny sahako"
Manohy fanoritsoritana ny zava-misy izay naha- mendrika azy ny fanasazian'Andriamanitra i Joba, kanefa fantany fa tsy marina ireo.
DH: "Raha naniry ny vadin'ny lehilahy hafa aho"
"ary niandry azy hiala ny trano aho mba hahafahako miara-mandry aminy"
Ireo mety ho heviny: 1) io fomba entina hitenenana ny lehilahy hafa izay miara-mandry amin'ny vadin'i Joba, na 2) io dia midika fa ho lasa andevo sy hiasa ho an'ny lehilahy hafa izy.
Manohy fanoritsoritana ny zava-misy izay naha- mendrika azy ny fanasazian'Andriamanitra i Joba, kanefa fantany fa tsy marina ireo.
DH: "ho heloka bevava izay mendrika ny hosazin'ny mpitsara izany"
Joba dia manamafy ny haloza sy ny fanapotehan'ny fahotan'ny fijangajangana.
Manohy fanoritsoritana ny zava-misy izay naha- mendrika azy ny fanasazian'Andriamanitra i Joba, kanefa fantany fa tsy marina ireo.
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba ho fanamafisana. DH: "ary dia tsy hanan-kolazaina mba hirovako tena aho mazava hoazy rehefa tonga mitsara ahy Andriamanitra"
DH: "Andriamanitra, izay nanao ahy tamin'ny fomba nanaovany azy ireo tokoa, dia tokony hitsara ahy amin'ny fomba fitsaràny azy ireo."
Manohy fanoritsoritana ny zava-misy izay naha- mendrika azy ny fanasazian'Andriamanitra i Joba, kanefa fantany fa tsy marina ireo.
Eto, ny "nanapahina" dia manondro ny tsy fahitan'ireo mpitondratena tsara nohon'ny fitomaniny. DH: "nampitomany ny mpitondratena tamin'ny alahelo lehibe aho"
"ny sakafoko"
Manoritsoritra ny fomba tena nitondrany ireo kamboty sy ny mpitondratena i Joba. DH: "nikarakara ny kamboty sy ny mpitondratena aho satria tanora aho"
Manohy fanoritsoritana ny zava-misy izay naha- mendrika azy ny fanasazian'Andriamanitra i Joba (voalaza ao amin'ny 31:22), kanefa fantany fa tsy marina ireo.
DH: "Nomeko fitafiana volon'ondry mba hampafana azy ireo ny olona tahaka izany, ary dia nitso-drano ahy izy ireo; saingy raha tsy nanao izany aho dia, "
DH: "raha nampijaly aho"
Io dia toerana fihaonan'ny olo-manan-kajan'ny tanàna mba handray fanapahan-kevitra.
Manohy fanoritsoritana ny zava-misy izay naha- mendrika azy ny fanasazian'Andriamanitra i Joba, kanefa fantany fa tsy marina.
DH: "koa dia aoka hisy olona handriatra ny soroko sy hanapaka ny sandriko"
Manohy fanoritsoritana ny zava-misy izay naha- mendrika azy ny fanasazian'Andriamanitra i Joba, kanefa fantany fa tsy marina.
Io andalana io dia milaza zavatra mitovy amin'ny andalana teo aloha. Ny fiarahan'ireo dia manamafy fa i Joba dia tsy natoky ny fananany hitondra filaminana ho azy.
DH: "nahazo harena maro nohon'ny fahaizako manokana aho"
Manohy fanoritsoritana ny zava-misy izay naha- mendrika azy ny fanasazian'Andriamanitra i Joba, kanefa fantany fa tsy marina.
DH: "ny volana mivezivezy eny amin'ny habakabaka"
DH: "raha naniry ny hidera azy ireo mangingina aho"
Io dia mariky ny fitiavana sy fanoloran-tena.
DH: "izay maha rariny ny hanasazin'ny mpitsra ahy"
Manohy fanoritsoritana ny zava-misy izay naha- mendrika azy ny fanasazian'Andriamanitra i Joba, kanefa fantany fa tsy marina.
Manoritsoritra ny nitondrany ireo izay nankahala azy i Joba. DH: Raha ny marina, tsy namela ny tenako hanota tamin'ny alalan'ny fanozonana ny ainy akory aho"
Manohy fanoritsoritana ny zava-misy izay naha- mendrika azy ny fanasazian'Andriamanitra i Joba, kanefa fantany fa tsy marina.
DH: "Ny oloko dia niteny lalandava hoe: 'Ny olona rehetra izay fantatray dia nahazo ny sakafon'i Joba araka izay iriany!' Raha tsy marina izany dia,"
Manazava ny tena nitondrany ireo vahiny i Joba. DH: "tsy voatery natory an-dalana ny vahiny. Nampandroso azy ireo tao an-tranoko foana aho"
Manohy fanoritsoritana ny zava-misy izay naha- mendrika azy ny fanasazian'Andriamanitra i Joba, kanefa fantany fa tsy marina ireo.
Ireo dia midika zavatra mitovy. Manamafy ireo fa ny olona iray dia manafina ny fahotany satria matahotra izay mety holazain'ny olona hafa izy.
Manoritsoritrany fitarainany amin'Andriamanitra toy ny hoe nanotra taratasy ara-dalàna i Joba. Hanoratra ny anarany ao amin'izany izy ho fianianany fa marina avokoa izay ao anatin'ilay taratasy.
"raha mba afaka namaky ny fiamapangan'ilay mpanohitra ahy mantsy aho!"
Io dia midika fa Andriamanitra dia hanoratra ny fitarainany manohitra an'i Joba, ary avy eo hametraka ilay taratasy eny aminny toerana ahafahan'ny rehetra mamaky izany i Joba.
Io dia manondro fihetsik'i Joba.
Io dia midika fa ho nanatona an'Andriamanitra tsy amin-tahotra i Joba
Io dia mamarana ny fanoritsoritana ny zava-misy izay naha- mendrika azy ny fanasazian'Andriamanitra i Joba, kanefa fantany fa tsy marina.
Joba dia manoritsoritra ny tany toy ny hoe olona izay mitaraina satria nangalarin'i Joba tamin'ny tompony izany.
1 Dia nitsahatra tsy namaly an'i Joba intsony ireo telo lahy ireo satria marina teo imasony ihany izy. 2 Ary dia nirehitra ny fahatezeran'i Eliho zanaka lahin'i Barakela ilay Bozita, avy amin'ny fokon'ny Rama; nirehitra tamin'i Joba izany satria nanamarina ny tenany izy raha tokony ho Andriamanitra. 3 Nirehitra tamin'izy telo lahy namany ihany koa ny fahatezeran'i Eliho satria tsy nahita teny havaly an'i Joba izy ireo, ary mbola nomelohin'izy ireo ihany i Joba. 4 Ary Eliho dia niandry ny hiresaka tamin'ny Joba satria ireo lehilahy hafa ireo dia lehibe noho izy. 5 Kanefa, rehefa hitan'i Eliho fa tsy nisy teny havaly an'i Joba teo ambavan'izy telo lahy ireo, dia nirehitra ny fahatezerany. 6 Ary Eliho zanaka lahin'i Barakela ilay Bozita niteny mafy ka nanao hoe: "Tanora aho, ary ianareo dia efa tena antitra. Ka izany antony nisalasalako ka tsy nasahiako nilaza taminareo ny hevitro manokana. 7 Hoy aho hoe: "Ny halavan'ny andro no tokony hiteny; ny taona maro no tokony hampianatra fahendrena. 8 Kanefa misy fanahy ao amin'ny olona; ny fofonain'ilay Tsitoha no manome azy fahazavan-tsaina. 9 Tsy izay olona lehibe ihany no hendry, na ireo olona nahazo taona ihany no mahatakatra ny rariny. 10 Noho izany dia hoy aho aminareo hoe: 'Henoy aho; hambarako aminareo ihany koa ny fahalalako.' 11 Indro, niandry ny teninareo aho; nihaino ny fandresen-dahatrareo aho raha nieritreritra izay ho lazaina ianareo. 12 Nihaino tsara anareo tokoa aho, kanefa, indro, tsy nisy na dia iray taminareo aza afaka nandresy lahatra an'i Joba na afaka namaly ireo teniny. 13 Tandremo mba tsy hilaza hoe: 'Efa nahita fahendrena izahay!' Andriamanitra dia tsy maintsy handresy an'i Joba; raha olon-tsotra tsy afaka ny hanao izany. 14 Satria i Joba tsy niteny mivantana tamiko, dia tsy hamaly azy amin'ny teninareo aho. 15 Tsy nahaloa-bava ireo telo lahy ireo; tsy nahavaly an'i Joba intsony izy ireo; tsy manana teny ho lazaina intsony izy ireo. 16 Tokony hiandry ve aho satria tsy miteny izy ireo, satria mitsangana eo izy ireo ka mangina ary tsy mamaly intsony? 17 Tsia, hamaly amin'ny anjarako koa aho; ho lazaiko azy ireo ihany koa ny fahalalako. 18 Satria manana teny maro ho lazaina aho; ny fanahy izay ato anatiko no manery ahy. 19 Indro, tahaka ny divay milona izay tsy misy hivoahany ny tratrako; tahaka ny siny hoditra vaovao, izay efa hitriatra. 20 Ary hiteny aho mba hahavelombelon'aina ahy; hanokatra ny molotro aho ka hamaly. 21 Tsy haneho fiangarana aho; ary tsy hanome fiantsoana mihaja na amin'iza na amin'iza. 22 Satria tsy haiko ny manome fiantsoana toy izany; raha nanao izany aho, dia haka ahy tsy ho ela ny Mpahary ahy.
Ny maso dia mampiseho fahitana, ary ny fahitana dia mapiseho eritreritra na fitsarana. DH: "nihevitra ny tenany ho marina izy"
Io dia mampitaha ny fahatezeran'i Eliho amin'ny fandrehetan'ny olona afo. DH: "Ary Eliho zanaka lahin'i Barakela ilay Bozita, avy amin'ny fianakavian'i Rama dia tezitra tamin'i Joba"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia anarana vondron'olona.
Io dia midika fa nihevita ny tenany ho tsy mana-tsiny izy ary nino fa diso tamin'ny nanasaziana azy Andriamanitra. DH: "nanamarina ny tenany izy ary nihevitra izy fa diso ny amin' ny nanasaziana azy Andriamanitra"
Io dia mampitaha ny fahatezeran'i Eliho amin'ny olona iray mandrehitra afo. DH: "Niha tezitra mafy tamin'ireo namany telo ihany koa i Eliho"
Io teny io dia ampiasaina mba hanamarihana fihatoana amin'ny fizotry ny tantara. Io dia milaza fampahafantarana fototra mahakasika an'i Eliho.
Io dia mampitaha ny fahatezeran'i Eliho amin'ny olona iray mandrehitra afo. DH: "niha-tezitra mafy izy"
Eto, ny "ianareo" dia manondro ireo naman'i Joba telo lahy.
Ireo andalana roa ireo dia milaza zavatra mitovy. Manamafy i Eliho fa satria ny olona lehibe no hendry kokoa noho ny tanora, ka izy ireo no tokony no tokony miteny aloha izay fantatr'izy ireo. DH: "Izy izay efa niaina taona maro no tokony hiteny; izy izay lehibe no tokony hampianatra fahendrena"
Manohy ny firesahany amin'i Joba sy ireo namany telo i Eliho.
ireo dia milaza zavatra mitovy. Eliho dia manamafy fa ny fahendren'ny olona iray dia avy amin'Andriamanitra. DH: "Misy fanahy amin'ny olona, izany dia fofonaian'ny Tsitoha"
Ny fanahy eto dia aseho amin'ny alalan'ny "fofonaina." DH: "ny fanahin'ilay Tsitoha"
Mampiasa io teny io i Eliho eto mba hisarihana ny fihainoan'ny olona izay holazainy manaraka. DH: "henoy"
Ny teny "ianareo" dia manondro ireo naman'i Joba. Ny "teny" dia manondro izay nolazain'izy ireo. DH: "niandry izay holazainareo aho"
Ny teny "namaly" eto dia tsy midika ho valin-teny ihany, fa valin-teny amin'ny valiny mahasoa.
Manohy ny firesahany amin'i Joba sy ireo namany telo i Eliho.
"efa fantatray ny fahendrena." Io dia midika fa mino izy ireo fa nahazo an-tsaina ny fahendrena izy ireo.
Io dia miresaka ny famalian'Andriamanitra an'i Joba sy ny fanitsiana azy toy ny hoe mandresy azy an'ady izy. DH: "mba handresen-dahatra an'i Joba" na" mba hamaliana an'i Joba"
Manohy ny fitenenany i Eliho.
"tsy nahita tenenina"
Mampiasa io fanontaniana io i Eliho mba hanamafisany fa tsy hiandry intsony izy vao hiteny. Mamaly io fanonataniany io i Eliho ao amin'ny andininy manaraka.
Manohy ny fitenenany amin'ny fampiasana fampitovina i Eliho.
"handray ny anjarako amin'ny famaliana aho ankehitriny"
Milaza ny fananany teny maro ho lazaina ho feno teny i Eliho. DH: "manan-kabara tokoa aho"
"manery ahy hilaza izany ny fanahiko" (UDB)
Rehafa milona ny divay dia misy entona miangona ao anatin'ny vata. Rehefa tsy misy hivoahana ilay entona dia mipoaka ilay vata. Ny tian'i Eliho ho lazaina dia manana teny maro holazaina izy ka raha tsy miteny izy dia mahatsapa toa hipoaka izy. Ary ireo teny roa ireo ihany koa dia mifanindran-dalana ary mitovy dika. DH: "tsaroako toa hipoaka ny tratrako, tahaka ny vata misy divay milona tsy misy ivohan'ny entona"
Io dia mampiseho an'i Eliho, indrindra ny fanahiny. DH: "ny fanahiko" na "izaho"
Manohy ny fitenenany amin'ny fampiasana fampitovina mba ho fanamafisana i Eliho.
DH: "mba hahatsiarovako maivamaivana"
Eto, ny "molotra" dia mampiseho vava. DH: "hanokatra ny vavako"
"tsy hidera na iza na iza na hanome anaram-boninahitra azy"
"Andriamanitra izay nanao ahy." Io dia anarana manondro an'Andriamanitra.
Io dia midika fa hamotika azy izy. DH: "hamotika ahy"
1 Koa ankehitriny, ry Joba, miangavy anao aho, mandrenesa ny lahateniko; henoy ny teniko rehetra. 2 Indro ankehitriny, efa manokatra ny vavako aho; efa miteny tao am-bavako ny lelako. 3 Avy amin'ny fahitsian'ny foko ny teniko; manambara fahalalana madio ny molotro. 4 Ny Fanahin'Andriamanitra no nanao ahy; ny fofonain'ilay Tsitoha no nanome fahavelomana ahy. 5 Raha azonao atao, valio aho; alaharo eto anatrehako ny teninao ka mitsangàna. 6 Indro, tahaka anao ihany aho eo imason'Andriamanitra; namboarina avy tamin'ny tanimanga ihany koa aho. 7 Indro, tsy hampatahotra anao ny horohoroko; na havesatra anao ny tsindriko. 8 Niteny teo an-tsofiko tokoa ianao; reko ny feon'ny teninao nanao hoe: 9 'Madio aho ary tsy misy heloka; tsy manan-tsiny aho, ary tsy misy ota ato amiko. 10 Indro, mahita irika hamelezana ahy Andriamanitra; raisiny ho toy ny fahavalony aho. 11 Hapetrany amin'ny boloky hazo ny tongotro; dinihiny avokoa ny lalako.' 12 Indro, amin'izao no mahadiso anao—hamaly anao aho, satria lehibe noho ny olona Andriamanitra. 13 Nahoana ianao no miady aminy? Tsy manisa na inona na inona amin'izay ataony Izy. 14 Fa miteny indray mandeha Andriamanitra—eny, indroa, na dia tsy tsikaritry ny olona aza izany. 15 Ao anaty nofy, ao anaty fahitana amin'ny alina, rehefa tonga amin'ny olona ny torimaso lalina, rehefa ao anaty faharendrehana eo am-pandriana— 16 dia manokatra ny sofin'ny olona Andriamanitra, ary mampitahotra azy ireo amin'ny horohoro, 17 mba hisintonana ny olona hiala amin'ny tanjony feno fahotana, sy hanalavirana ny fieboeboana aminy. 18 Andriamanitra no miaro ny ain'ny olona amin'ny lavaka, ny ainy tsy hiampita ho any amin'ny fahafatesana. 19 Faizina amin'ny fanaintainana eo am-pandriany ihany koa ny olona, miaraka amin'ny fangirifiriana tsy miato ao amin'ny taolany, 20 mba hankahala hanina ny ainy, ary hankahala hanim-py ny fanahiny. 21 Levona ny nofony mba tsy ho hita; ny taolany, izay tsy hita fahiny, dia mitrakitraky ankehitriny. 22 Eny tokoa, manakaiky lavaka ny fanahiny, ary ny ainy akaikin'ireo izay maniry ny hamotika izany. 23 Saingy raha misy anjely iray afaka ny ho mpanelanelana ho azy, dia mpanelanelana iray, avy amin'ireo anjely an'alinalina, mba hampiseho azy izay mety hatao, 24 ary raha malemy fanahy aminy ilay anjely ka miteny amin'Andriamanitra hoe: 'Vonjeo mba tsy hidina any an-davaka ity olona ity; fa nahita vidim-panavotana ho azy aho,' 25 ary dia hanjary ho vaovao noho ny an'ny zaza ny nofony; dia hiverina amin'ny andro tamin'ny herin'ny fahatanorany izy. 26 Hivavaka amin'Andriamanitra izy, ary halemy fanahy aminy Andriamanitra, mba hahitany ny tavan'Andriamanitra amin'ny fifaliana. Homen'Andriamanitra an'ilay olona ny fandreseny. 27 Dia hihira eo anoloan'ny olona hafa izany olona izany ka hanao hoe: 'Nanota aho ka namadika izay marina, saingy tsy nofaizina ny fahotako. 28 Namonjy ny fanahiko tsy hidina any an-davaka Andriamanitra; hahita fahazavana hatrany ny fiainako.' 29 Indro, manao ireo zavatra ireo amin'ny olona iray Andriamanitra, indroa, eny, intelo aza, 30 mba hitondra ny fanahiny hiverina avy any an-davaka, mba ho hazavaina amin'ny fahazavan'aina izy. 31 Mitandrema, ry Joba, ary mihainoa ahy; mangina dia hiteny aho. 32 Raha misy hambara ianao, dia valio aho; mitenena, fa maniry ny hanaporofo aho fa marina ianao. 33 Raha tsy izany, dia henoy aho; mangina, dia hampianariko fahendrena ianao."
Manohy ny fitenenany i Eliho.
Ireo andian-teny ireo dia mitovy ny dikany. Manamafy i Eliho fa tsy maintsy mihaino tsara azy i Joba.
Ireo dia mitovy ny dikany. Manamafy i Eliho fa vonona ny hiteny izy ankehitriny. Ny "lelany" dia mampiseho ny fitenenany. DH: "efa manokatra ny vavako aho ary efa manomboka miteny"
Eto i Eliho dia manondro ny tenany amin'ny alalan'ny "fony" toy ny hoe miteny mahitsy. Ary koa, milaza ny fitenenany toy ny fitenenan'ny "teniny" izy. DH: "Hiteny an-kitsim-po aho" na "hiteny amim-pahamarinana aho"
Eto, Eliho dia manondro ny tenany amin'ny alalan'ny "molony" mba hanamafisany ny teniny. DH: "Hiteny aminareo an-kitsim-po ny zavatra fantatro aho"
Manohy ny fitenenany amin'i Joba i Eliho.
Ireo andalana roa ireo dia mitovy ny dikany. Eliho dia manamafy fa Andriamanitra no nanao azy sy nanome fahefana azy ny amin'izay lazainy.
Io dia miresaka ny fanomanan'i Joba izay holazainy toy ny hoe mametraka sy mandamina zavatra. DH: "Homano izay holazainao, ary mitsangàna ka valio aho"
Manohy ny fitenenany amin'i Joba i Eliho.
Mampiasa io teny io Eliho eto mba hisarihany ny fihainoan'i Joba izay holazainy manaraka. DH: "henoy"
Ny "imaso" eto dia mampiseho fitsarana na tomban'ezaka. DH: "Tahaka anao eo amin'ny fitsaran'A ndriamanitra ihany aho" na "Mitsara anao tahaka ny fitsarany ahy Andriamanitra"
Na dia tsy vita tamin'ny tanimanga aza ny olona, Andriamanitra dia nanao ny olona rehetra tahaka ny niangalian'ny mpanefy tanimanga ny zavatra vita tamin'ny tanimanga. DH: "Andriamanitra dia nanao antsika roa tahaka ny namolavolan'ny mpanefy tanimanga zavatra vita amin'ny tanimanga"
Io dia midika fa tsy hisakana na hanavesatra an'i Joba izy. Miresaka ny vesatra ara-tsaina toy ny hoe vesatra ara-batana izy. DH: "na hampavesatra anao aho" na "tsy hanindry anao amin'izay lazaiko aho"
Manohy ny fitenenany amin'i Joba i Eliho.
"amin'ny izay handrenesako anao"
Io dia miresaka ny firesahan'i Joba toy ny hoe firesahan'ny "teniny". DH: "Nahare anao niteny aho hoe"
Ny olona izay heverin'Andriamanitra ho azo ekena ara-panahy dia resahina toy ny hoe olona madio ara-batana.
"tsy nanota aho"
Manohy ny fitanisany izay rèny notenenin'i Joba i Eliho.
Mampiasa io teny io eto ny mpiteny mba hisarihany ny fifantohana amin'izay holazainy manaraka. DH: "henoy"
" boloky hazo" dia bolongan-jazo aatao amin'ny tongotry ny voafonja mba hamerana ny fihetsiny. Miresaka ny fahatsapany ho toy ny voafonja amin'ny alalany fitenenana azy ho amin'ny boloky hazo i Joba. DH: "Tsapako ho nanagadra ahy izy"
Ireo teny ireo dia manondro izay alehany. Izay alehany eto dia mampiseho izay ataony. DH: "Ny zavatra rehatra ataoko" (UDB)
Miteny amin'i Joba i Eliho.
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Eliho.
Mampiasa io fanontaniana io i Eliho mba hanamafisany fa tsy tokony miady amin'Andriamanitra i Joba. Io fanontaniana io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Tsy tokony miady amin'Andriamanitra ianao" na "tsy tokony miezaka mandresy lahatra an'Andriamanitra ianao"
"Tsy voatery hanazava amintsika izay ataony rehetra Izy"
Io dia fomba fiteny. DH: "Miteny amin'ny fomba samihafa hatrany hatrany Andriamanitra"
Ireo andian-teny ireo dia mitovy ny dikany.
Io dia miresaka ny olona ao anaty torimaso lalina toy ny hoe latsaka amin'izy ireo ny torimaso na resin'ny torimaso izy ireo. DH: "Rehefa renoky ny torimasao tanteraka eo am-pandriany ny olona"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Eliho.
Io dia miresaka ny fampitandreman'Andriamanitra ny olona toy ny hoe manokatra ny sofin'izy ireo Izy mba hahafahan'izy ireo mandre. DH: "ary manambara zavatra amin'ny olona Andriamanitra"
Io dia miresaka ny fanakanan'Andriamanitra ny olona tsy hanao zavatra toy ny hoe misintona azy mivantana tsy ho amin'ny ratsy Izy. DH: "mba hanakanana azy tsy ho amin'ny"
Ireo dia samy fanambarana ary mitovy ny dikany. DH: "Andriamanitra dia mamonjy ny olona amin'ny fasana sy ny fahafatesana"
Ny toerana alehan'ny olona rehefa maty eto dia tondroina amin'ny "lavaka." DH: "ny toeranaizay misy ny olona maty"
Io dia fomba fiteny. DH: "ny olona tsy ho amin'ny fahafatesana ... miaro azy"
Eto, ny "fahafatesana" dia mampiseho ny toerana izay alehan'ny olona rehefa maty, izay, Fiainan-tsy hita. DH: "tsy ho any amin'ny Fiainan-tsy hita"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Eliho.
DH: "manafahy ny olona ihany koa Andriamanitra"
Io dia midika fa ny olona miaina fanaintaianana tahaka izany dia mandry eo ambony fandriana. DH: "amin'ny fanaintainana mba handriany eo am-pandriana"
Ireo andian-teny ireo dia mitovy hevitra amin'ny ankapobeny: ny olona ao anaty fanaintainana mafy dia tsy mahinan-kanina akory. Ilay olona dia aseho amin'ny alalan'ny "ainy" sy ny "fanahiny." DH: "Ny vokany dia tsy haniry hanina izy, eny na dia sakafo miavaka aza"
"hankahala na dia sakafo tena miavaka aza"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Eliho.
Ny "nofony" dia manondro ny saborany sy ny nofony, fa tsy ny ivelan'ny hoditra. DH: "Hamparefo sy hampahia ny vatany ny aretina ka ho hitan'ny olona ny taolany"
Eto, ny olona dia aseho amin'ny alalan'ny "fanahiny." DH: tsy lavitra azy ny fandehanana any am-pasana"
Ny toerana izay alehan'ny olona rehefa maty eto dia tondroina amin'ny alalan'ny "lavaka." DH: "Ny toerana izay alehan'ny olona maty"
Eto, ny olona dia aseho amin'ny alalan'ny "ainy." Ny andian-teny "izay maniry ny hamotika izany" dia manondro ny toerana izay alehan'ny olona aorian'ny fahafatesana. DH: "Ary tsy lavitra azy ny fandehanana any amin'ny toerana alehan'ny olona maty" na "ary ho any amin'ny toeran'ny olona maty tsy ho ela izy"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Eliho.
Io dia tsy manondro olona voafaritra. Eliho dia manohy ny firesahany ny olona amin'ny ankapobeny.
Amin'ny fiteny sasany dia tsotra kokoa ny miteny izany amin'ny hoe "maro dia maro" noho ny amin'ny hoe "an'alinalina." DH: "avy amin'ny anjely maro dia maro"
Ny toerana izay alehan'ny olona maty dia aseho amin'ny "lavaka." DH: "toerana izay alehan'ny olona maty
Io dia midika fa nahita fomba hanefana ny ny fahotan'ny olona ilay anjely ka mba tsy voatery ho faty izy. DH: "satria efa nahita hevitra ho anao mba hitazonana azy tsy ho amin'ny fahafatesana aho"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Eliho.
Ny teny "ary dia" dia ampiasaina eto mba hanamarihana izay hitranga rehefa manaiky ny fangatahan'ilay anjely Andriamanitra. DH: "ary ny vokatr'izany" na "noho ny fangatahan'ilay anjely tamin'Anfdriamanitra"
Ao amin'io fampitahana io, ny teny "vaovao" dia fanitarana. DH: "vaovao tahaka ny an' ny zaza"
Io dia miresaka ny fiverenan'ny olona amin'ny heriny indray toy ny hoe miverina tanora indray izy raha ny marina. DH: "Hatanjaka indray izy, tahaka azy fony tanora"
Io dia fomba fiteny. DH: "midera an'Andriamanitra amim-pifaliana izy"
Andriamanitra eto dia aseho amin'ny alalan'ny "tavany" DH: "Andriamanitra"
"Andriamanitra dia hanavotra ilay olona" na "hanao izay maha mety ilay indray Andriamanitra"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Eliho.
DH: "saingy tsy nanasazy ahy noho ny fahotana Andriamanitra"
Eto, ilay olona dia tondroina amin'ny alalan'ny "fanahiny." DH: "namonjy ahy tsy amin'ny fahafatsana sy tsy ho any an-davaka"
Ny toerana izay alehan'ny olona maty dia aseho amin'ny "lavaka." DH: "toerana izay alehan'ny olona maty"
Eto, ilay olona dia aseho amin'ny alalan'ny " fiainany." Ary koa, ny fahavelomana dia resahina toy ny fahitana hazavana. DH: "Hiaina hatrany aho ary hahita hazavana" na "ho velona hatrany aho"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Eliho.
Mampiasa io teny io ho fiteny i Eliho eto mba hisarihana ny fihainoan'i Joba izay holazainy manaraka. DH: "Henoy"
Io dia fomba fiteny. DH: "hatrany hatrany"
Io dia miresaka ny famonjena ny olona amin'ny fahafatesana toy ny hoe efa maty izy ary nentina niverina ho amin'ny fahavelomana. DH: "Mba hihazonana azy tsy ho amin'ny fahafatesana sy tsy ho any an-davaka"
Ny toerana izay alehan'ny olona maty dia aseho amin'ny "lavaka." DH: "toerana izay alehan'ny olona maty"
DH: "Mba ho faly ny fahavelomana hatrany izy"
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Eliho.
Ireo andian-teny ireo dia mitovy ny dikany. DH: "Henoy tsara aho, ry Joba"
Io dia fomba fiteny. DH: "fa tsy manan-tsiny ianao"
1 Fanampin'izay, dia mbola niteny i Eliho hoe: 2 "Henoy ny teniko, ry lehilahy hendry; henoy aho, ianareo izay manana fahalalana. 3 Fa ny sofina dia mandre ny teny toy ny hatsapan'ny lela ny tsiron-kanina. 4 Aoka isika hisafidy izay rariny ho antsika: aoka isika samy hahita ny tsara eo amintsika. 5 Fa i Joba nilaza hoe: 'Marina aho, fa nalan'Andriamanitra ny zoko. 6 Na inona na inona zoko, dia raisina ho mpandainga aho. Tsy azo sitranina ny ratrako, na dia tsy nanota aza aho.' 7 Fa lehilahy inona i Joba, izay misotro ny fanamavoana toy ny rano, 8 izay mandeha etsy sy eroa miaraka amin'ireo mpanao ratsy, ary miray lalana amin'ny olona ratsy fanahy? 9 Fa efa nilaza izy hoe: 'Tsy hahazoan'ny olona tombony ny miravoravo amin'ny fanaovana izay tian'Andriamanitra.' 10 Ka henoy aho, ry lehilahy manana fahazavan-tsaina: sanatria amin'Andriamanitra anie ny hanao ratsy; sanatria amin'ilay Tsitoha anie ny hanota. 11 Satria mamaly ny asan'ny olona izy; ataony tody amin'ny valisoan'ny lalana nosafidiany ny olona rehetra. 12 Eny tokoa, tsy mba manao ratsy Andriamanitra, na hamadika ny rariny mandrakizay ny Tsitoha. 13 Iza no nampiandraikitra azy ny tany? Iza no nametraka ny tany iray manontolo teo ambaniny? 14 Raha izy ihany no hifantohan'ny tenany, ary raha mamerina manangona ny fanahiny sy ny fofonainy aminy ihany izy, 15 dia hiaraka ho lo avokoa ny nofo rehetra; ary hiverina ho vovoka indray ny olombelona. 16 Raha manana fahazavan-tsaina ianao ankehitriny, dia henoy izao; henoy ny feon'ny teniko. 17 Afaka ny hitondra ve ny olona iray izay mankahala ny rariny? Ho helohinao ve Andriamanitra, izay marina sy mahery? 18 Andriamanitra, izay milaza amin'ny mpanjaka hoe: 'Maharikoriko ianao,' na koa milaza amin'ireo manan-kaja hoe: 'ratsy fanahy ianareo'? 19 Andriamanitra, izay tsy miangatra amin'ireo mpitondra ary tsy manome lanja ireo mpanan-karena mihoatra ireo mahantra, satria asan'ny tanany avokoa izy ireo. 20 Ao anatin'ny fotoana fohy izy ireo dia ho faty; amin'ny sasak'alina dia ho voahozongozona ny olona ary ho faty; ho alaina ihany koa ny olona mahery, saingy tsy amin'ny tanan'olombelona. 21 Fa ny mason'Andriamanitra dia eo amin'ny lalan'ny olona; hitany avokoa ireo dingana ataony. 22 Tsy misy aizina, na aizim-pito hiafenan'ireo mpanao ny tsy rariny. 23 Fa tsy mila mandinika ny olona intsony Andriamanitra; tsy misy antony handehanan'ny olona ho tsaraina eo anatrehany. 24 Potipotehiny ireo lehilahy mahery nohon'ny lalan'izy ireo izay tsy hilàna fanadihadiana intsony; hapetrany amin'ny toerany avy ny hafa. 25 Ary izany no hahafantarany ny asan'izy ireo; amin'ny alina no handravany ireo olona ireo; ringana izy ireo. 26 Eo imason'ny hafa, vonoiny toy ny jiolahy izy ireo nohon'ny asa ratsy vitany 27 satria nivadika tsy nanaraka Azy izy ireo ary tsy nety nanaiky na iray aza tamin'ny lalany. 28 Tamin'izany, dia nataon'izy ireo tonga teo aminy ny tomanin'ireo mahantra; ary reny ny tomanin'ireo olona nampahoriana. 29 Rehefa mangina Izy, iza no afaka hanameloka Azy? Raha hafeniny ny tavany, iza no hahita Azy? Mitovy ny fanapahany ny firenena sy ny tsirairay, 30 mba tsy ho afaka hanapaka ny olona mpaniratsira, mba tsy hisy na iray aza hamandrika ny olona. 31 Raha atao hoe misy olona iray milaza amin'Andriamanitra hoe: 'Meloka tokoa aho, fa tsy hanota intsony; 32 ampianaro ahy ny zavatra tsy mety hitako; nanota aho, fa tsy hamerina izany intsony.' 33 Dia mihevitra ve ianao fa ho sazian'Andriamanitra nohon'ny otan'izany olona izany, satria tsy tianao ny ataon'Andriamanitra? Aoka ianao no hisafidy, fa tsy izaho. Ka lazao izay fantatrao. 34 Ny olona manana fahazavan-tsaina dia hilaza amiko hoe— eny tokoa, izay lehilahy hendry rehetra mandre ahy dia hiteny hoe: 35 'Miteny tsy am-pahalalana i Joba; tsy misy fahendrena ny teniny.' 36 Raha mba notsaraina tamin'ny antsipirihiny kely indrindra tamin'ny tranga nahazo azy mantsy i Joba nohon'ny firesany toy ny olona ratsy fanahy. 37 Fa ampiany fikomiana ny fahotany; miteha-tanana am-panesoana eo afovoantsika izy; manangona teny anoherana an'Andriamanitra izy."
"ary avy eo, ...Eliho hoe:"
Adikao tahaka ny ao amin'ny 32:1 io anaran-dehilahy io.
"Henoy izay lazaiko"
Mitsikera an'i Joba sy ireo namany i Eliho. Tsy mihevitra azy ireo ho tena hendry akory izy.
Ny tian'i Elio lazaina dia ny olona mihaino tsara mba hamaritana ny marina sy ny diso tahaka ny hamaritana ny ny tsiron-tsakafo na tsara izany na ratsy. Eto, ny olona dia aseho amin'ny alalan'ny "sofiny" sy ny "lanilaniny" mba hanamafisana fa mahare tsiro sy maheno izy ireo. DH: "Fa mihaino ny teny mba hahalalana ny tsara sy ny ratsy, tahaka ny fihinanana sakafo mba hahalalana ny tsara tokony hohanina"
Manohy ny firesahany i Eliho.
Eto, "isika" dia manondro an'i Eliho, Joba sy ireo namany telo.
"mandà ny hanome rariny ahy"
DH: "Andriamanitra dia mihevitra ahy ho mpandainga"
Ny fahararian'i Joba sy ny fijaliany dia resahina toy ny hoe "ratra." DH: "Marary aho ary tsy misy afaka mitsabo ahy"
Manohy ny firesahany i Eliho.
Mampiasa io dia fanontaniana fampisainana i Eliho mba handatsana an'i Joba. Io fanontaniana io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Tsy misy olona tahaka an'i Joba"
Eliho dia manameloka an'i Joba ny amin'ny fanamavoana ny hafa matetika tahaka ny fisotroana rano. DH: "izay manamavo ny olona hafa matetika tahaka ny fisotroany rano"
Eto ny "miray lalana" dia fomba fiteny enti-milaza ny fihetsiky ny olona. DH: "izay mitondra-tena tahaka ny olona ratsy fanahy"
Manohy ny fitenenany i Eliho. Isak'ireo andininy ireo dia ahitana andian-teny mitovy.
Mitsikera an'i Joba sy ireo namany i Eliho. Tsy mihevitra azy ireo ho tena hendry akory izy.
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy ny dikany ary ampiasaina miaraka mba hanamafisana fa Andriamanitra dia tsy hanao ratsy na oviana na oviana. Ny teny "sanatria" dia fomba fiteny. DH: "Andriamanitra dia tsy hihevitra ny hanao izay ratsy na diso na oviana na ovina!" (UDB)
Io dia midika fa manomeny olona izay mendrika ny asa vitany Izy. Eto, ny "asa" dia sarin-tenin'ny zavatra ataon'ny olona iray. DH: "Stria manome izay mendrika havaly izay ataony Izy"
Ny andian-teny "ny lalana nosafidiany" dia fomba fitenenana ny fomba fiainany ny fiainany. Manamafy Eliho fa Andiamanitra dia manome ny olona izay mendrika azy ireo. DH: "Ataony mandray valisoa mendrika ny fomba fiainany ny olona rehetra"
Manohy ny fitenenany i Eliho.
Ireo fanontaniana fampisainana ireo dia mitovy ny dikany ay manamafy fa tsy ilàna olona ny fanomezana fahefana an'Andriamanitra satria efa azy izany. Ireo fanontaniana ireo dia azo soratana ho fanambarana. DH: "tsy ilàna olona ny fanomezana alalana an'Andriamanitra handray ny andraikiny eo amin'ny tany. Izy ilay tokana manan-jo ny amin'ny fanapahana izao tontolo izao."
Mamaritra ny zava-misy izay tsy heveriny hitranga akory i Eliho.
Ny "fanahin'Andriamanitra" sy ny "fofonaina'Andriamanitra" dia ireo izay mamelona ny zava-manan'aina rehetra. DH: "ny fanahiny sya ny fofonainy izay manome aina antsika"
Ny zava-manan'aina rehetra eto dia resahina toyny hoe "nofo rehetra." DH: "Ny zava-manan'aina rehetra"
Io dia midika fa ny olona rehetra dia no faty ary ny nofon'izy ireo dia ho lo ary hiverina ho nofon-tany. Tany am-piandohana dia namorona ny olona tamin'ny vovoka Andriamanitra. DH: "Hiverina ho nofon-tany tsy ho ela ny vatan'olombelona
Manohy ny fitenenany i Eliho.
Mampiasa io teny io i Eliho mba hitondrany fifantohana amin'izay zavatra holazainy.
Eto, ny "ianao" dia manondro an'i Joba.
Io dia mitovy dika amin'ny ampahany eo aloha amin'ilay fehezanteny. DH: "henoy izay lazaiko"
Mampiasa io fanontaniana io i Eliho mba hanesoana an'i Joba ny amin'ny filazana an-kolaka fa Andriamanitra dia mankahala ny rariny Andriamanitra. DH: "ilay mankahala ny rariny dia tsy azo andrandraina hanapaka eo amin'ny olona. Noho izany dia tsy afaka mitsikera an'Andriamanitra ianao, izay marina sy mahery , ary tsy afaka milaza ianao fa efa nanao zavatra tsy marina Izy.
Ny valin-teny miafina amin'io fanontaniana fampisaianana io dia "tsia." Io fanontaniana io dia milaza an-kolaka fa Andriamanitra dia tsy afaka nanapaka raha nankahala ny rariny izy. Io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Ilay mankahala ny rariny dia tsy afaka hanapaka izao tontolo izao." na "Tsy afaka ny hankahala ny rariny mihitsy Andriamanitra no sady hanapaka hatrany eo amin'izao tontolo izao." (UDB)
Io fanontaniana fampisainana io dia ampiasaina mba hanamafisana fa i Joba dia tsy manana fahefana na anton-javatra hanamelohana an'Andriamanitra. DH: "Tsy afaka manameloka an'Andriamanitra, izay marina sy mahery ianao!"
Manohy ny fitenenany i Eliho.
Io dia manohy ny fanontaniana fampisaianana ao amin'ny andininy teo aloha, mba hanamafisana fa i Joba dia tsy afaka manameloka an'Andriamanitra. Io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Hoy Izy amin'ireo mpanjaka sasany hoe: 'ianareo dia marikoriko,' ary hoy Izy amin'ireo olo-manan-kaja sasany hoe: 'rasy fanahy ianareo.'"
Io dia mbola isan'ilay fanontaniana teo aloha. Ny teny tsy ampy dia azo tovanana. DH: "Hanameloka an'Andriamanitra, izay miteny amin'ny mpanjaka, ve ianao"
"ratsy" na "tsy mendrika" (UDB)
Eto, ny "tanana" dia manondro hery. DH: "satria Andriamanitra no nanao azy rehetra"
Eto, ny "sasak'alina" dia fotoana izay iafaran'ny andro iray sy fiandohan'ny iray hafa. Eto anefa dia aseho amin'ny fomba fiteny izany. DH: "amin'ny alina" na "tampoka, amin'ny alina"
Ny andian-teny " ho voahozongozona" dia fomba fiteny izay midika hoe "mamely." DH: "Mamely azy ireo Andriamanitra ary maty izy ireo"
Io dia midika fa Andriamanitra no mahatonga ny olona ho faty, fa tsy ny olona. DH: "Andriamanitrano mahatonga ny olona mahery ho faty fa tsy ny olona"
Eto ny olona dia aseho amin'ny alalan'ny "tanany." DH: "fa tsy amin'ny alalan'ny olombelona" na "tsy amin'ny alalan'ny olona"
Ny "mason'Andriamanitra" dia aseho amin'nhy alala'ny fahitana. Ny andian-teny "ny lalan'ny olona" dia fomba fiteny ho an'izay ataony sy ny fomba fiainany. DH: "satria Andriamanitra mijery izay ataon'ny olona rehetra .
Io dia midika fa fantany lalandava izay misy ny olona sy izay alehany. DH: "Mahita azy Izy na aiza na aiza alehany"
Amin'ny ankapobeny, ny teny "aizim-pito" dia mitovy sy manamafy ny teny "aizina."
"hitsara azy Izy" na "hotsaraina
Manohy ny fitenenany i Eliho.
Io dia miresaka ny famoptehan'Andriamanitra ireo lehilahy ireo toy ny hoe mamotipotika ny vatan'izy ireo. DH: "mandrava ireo lehilahy mahery izy" na mandrava ireo olona manan-danja" (UDB)
Tsy mila manao fanadihadiana izay nataon'izy ireo Izy satria efa fantany izay rehetra mahakasika azy ireo. DH: "tsy misy ilàna fanadihadiana lalina, satria efa fantany ny lalan'izy ireo"
Io dia fomba fiteny. DH: "ny zavatra izay vitan'izy ireo"
Io dia midika fa manendry ireo olona hafa mba hanapaka eo toerany Izy. DH: "ary misafidy ny olona hafa mba hanapaka eo eo amin'ny toeran'izy ireo Izy"
Io dia fomba fiteny. DH: "rehefa tsy manampo izany izy ireo"
DH: "ary namotika azy ireo"
Manohy ny fitenenany i Eliho.
Io andian-teny io dia mampitaha ny fomba nahafatesan'ireo olona ireo tamin'ny nahafatesan'ny olon-dratsy. DH: "Izy dia mamono azy ireo nohon'ny asa ratsiny eo imason'ny hafa toy ny hoe olon-dratsy izy ireo"
Io dia midika ny famonoan'Andriamanitra ireo olona ireo, na dia tsy mamely azy ireo amin'ny teniny aza izy. Mety ataony mahafaty na mitondra loza azy ireo ihany koa ny olona hafa. DH: "mamono azy ireo Izy"
Io dia fomba fiteny. DH: "eny amin'ny toerana izay hitan'ny rehetra"
Io dia manondro ny fampianaran'Andriamanitra ny tokony hitondran'ny olona tena.
Ny teny hoe "tomany" dia azo adika amin'ny matoanteny. Io dia miresaka ny fandrenesan'Andriamanitra ny tomanin'izy ireo toy ny hoe olona tonga any tany aminy. DH: "Nampitomany ireo olona mahantra izy ireo, ary rèn'Andriamanitra ireo"
Manohy ny fitenenany i Eliho.
Ireo fanontaniana roa ireo dia miteny ny tsy fanasazian'Andriamanitra toy ny hoe fahanginana sy fanafenana ny tavany.
Mampiasa io fanontraniana fampisainana io i Eliho mba hampianarana an'i Joba. Io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Tsy misy afaka manakihana an'Andriuamanitra rehefa misafidy ny hangina Izy"
Mampiasa io fanontraniana fampisainana io i Eliho mba hampianarana an'i Joba. Io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Tsy misy afaka mandeha ka mijery azy rehefa misafidy ny hanafina ny tavany Izy"
Andriamanitra eto dia aseho amin'ny alaln'ny "tavany." DH: "ny tenany"
Io dia mampitaha ny mpanapaka mpaniratsira mandratra ny olona toy ny hoe mpihaza mamandrika ny hazany. DH: "Tsy misy na iray aza handratra ny olona"
Manohy ny fitenenany i Eliho.
Eto, ny "hita" dia midika hoe "mahafantatra". DH: "ampianaro ahy izay tsy mety nataoko ka tsy fantatro"
"Satria tsy tia izay ataon'Andriamanitra ianao, dia mihevitra ve ianao fa tokony hosazian'Andriamanitra ny helok'io olona io?" Mampiasa io fanontaniana io i Eliho mba hanamafisana fa tsy tokony hihevitra izy fa tsy hanasazy izany olona izany Andriamanitra. Io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "na dia tsy tianao aza izay ataon'Andriamanitra, na dia tsy mihevitra tokoa aza ianao fa hosazian'Andriamanitra io olona io"
Ny fanasaziana olona noho ny fahotany eto dia lazaina toy ny hoe nanasazy ny "fahotan'ny olona." DH: "izany olona izany noho ny fahotany"
"izay eritreretinao mahakasika io" (UDB)
Manohy ny fitenenany i Eliho.
"izay mandre ahy miteny"
DH: "Raha mba afaka nitsara an'i Joba mantsy isika" na "Raha mba afaka nitondra an'i Joba teo amin'ny fitsarana mba ho henon'ny mpitsara mantsy isika"
Io dia fomba fiteny. DH: "mba hiaino tsara ny trangany" na "mba hiaino ny antsipirihin'ny trangany"
"ny fomba niresahany toy ny olona ratsy fanahy"
Io dia manondro ny fikomoiana amin'Andriamanitra. DH: "manampy fikomiana amin'Andriamanitra izy"
Amin'io fanamelohana io, io dia midika fa i Joba dia nnampitehaka ny tanany mba hanamafisany ny fanesoany an'Andriamanitra. DH: "Maneso an'Andriamanitra eo afovoantsika amin'ny fitehafan-tanana izy" na "maneso an'Andriamanitra eo anatrehantsika izy"
Miresaka ny "teny" toy ny hoe "zavatra" i Eliho, ary ny fitenenana teny maro toy ny hoe zavatra ampifanaingitaingenina. DH: "Miteny teny maro hanoherana an'Andriamanitra izy"
1 Ho fanampin'izany i Eliho dia mbola nanohy, niteny hoe: 2 "Mihevitra ve ianao fa marina izany rehefa milaza ianao hoe: 'Ny zoko eo anatrehan'Andriamanitra?' 3 Satria ianao nanontany hoe: 'Inona no asan'izany amiko?' sy hoe: 'Ho tsara kokoa ve aho raha nanota?' 4 Hamaly anao aho, ianao sy ireo sakaizanao. 5 Jereo ny lanitra, dia jereo izany; jereo ny lanitra, izay avo noho ianao. 6 Raha nanota ianao, dia inona no ratsy nataonao an'Andriamanitra? Raha miangona loatra ny fandikan-dalànao, dia inona no ataonao Aminy? 7 Raha marina ianao, dia inona no afaka homenao Azy? Inona no ho raisiny avy amin'ny tananao? 8 Ny faharatsianao dia mety handratra olona iray, amin'ny maha-olona anao, ary ny fahamarinanao dia mety hahasoa ny zanaky ny olona hafa. 9 Nohon'ny asa fampahoriana maro, dia mitaraina ny olona; mila vonjy avy eo an-tsandrin'ireo olona mahery izy ireo. 10 Fa tsy misy na iza na iza miteny hoe: 'Aiza Andriamanitra ilay Mpahary ahy, izay manome hira amin'ny alina, 11 izay mampianatra bebe kokoa antsika noho ny hampianarany ireo bibidian'ny tany, ary izay manao antsika ho hendry noho ireo voron'ny lanitra?' 12 Any izy ireo no mitaraina, fa Andriamanitra tsy manome valiny azy ireo nohon'ny fieboebon'ny olon-dratsy. 13 Tsy handre ny fitomaniana adala tokoa Andriamanitra; tsy hiraharaha izany ilay Tsitoha. 14 Akory ny hakelin'ny hamaliany anao raha milaza ianao fa tsy mahita Azy, fa ny adinao dia eo anatrehany, ary miandry Azy ianao! 15 Akory ny hakelin'ny hamaliany anao raha milaza ianao fa tsy manafay na iza na iza amim-pahatezerana mihintsy Izy, ary tsy miraharaha loatra ny avonavon'ny olona Izy. 16 Koa nanokatra ny vavany mba hiteny fahadalana fotsiny ihany i Joba; nanangona teny tsy am-pahalalana izy."
Mampiasa io fanpontaniana io i Eliho mba hanoherana an'i Joba. DH: "Mihevitra ianao fa marina ...''Ny zoko eo anatrehan'Andriamanitra.'" na "tsy marina izany ...'Ny zoko eo anatrehan'Andriamanitra.'"
"mihevitra ve ianao fa mety aminao ny miteny hoe"
Ny "ianao" eto dia manondro an'i Joba.
Ireo mety ho heviny dia 1)Mihevi-tena ho tsy meloka eo anatrehan'Andriamanitra i Joba na 2) Mihevitra i Joba fa marina kokoa izy noho ny Andriamanitra.
DH: "Fa hoy ianao hoe: 'Tsy misy tombony ho ahy izany' sy 'tsy tsara kokoa aho raha tsy nanota.'"
Manohy ny fitenenany i Eliho.
Manohy ny fitenenany i Eliho.
Ireo andalana roa ireo dia mitovy ny dikany. Ilay andalana faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany
Manontany io fanontaniana io i Eliho mba hanamafisana fa tsy afaka manao na inona na inona fahotan'i Joba amin'Andriamanitra raha ny marina. DH: "Raha efa nanota ianao, dia aza manao ratsy amin'Andriamanitra."
Eliho dia miresaka ny "fandikan-dalàna" toy ny hoe zavatra, ary ny fanaovana fandikan-dalàna maro toy ny hoe manangona ireo zavatra ireo mba hifanaingitaingina. Manontany io fanontaniana io izy mba hanamafisany fa tsy misy dikany amin'Andriamanitra ny fandikan-dalàn'i Joba. DH: "Raha manao fandikan-dalàna maro ianao, dia tsy misy dikany aminy izany."
Ireo fanontaniana fampisainana roa ireo amin'ny ankapobeny dia milaza zavtra mitovy: ny fahamarinan'i Joba dia tsy manampy na inona na inona an'Andriamanitra. DH: "raha marina ianao, tsy hahavitanao manome na inona na inona Azy izany, ary tsy misy zavatra ho azony avy amin'ny tananao."
Eto, ny teny "tanana" dia mampiseho an'i Joba. DH: "raisiny avy aminao"
"olona hafa"
Manohy ny fitenenany i Eliho.
DH: "Noho ny zavatra maro izay ataon'ny olona mba hamapahoriana ny hafa"
Eto, ny "sandry" dia manondro ny hery na tanjaka. DH: "Miantso olona izy ireo mba hanafaka azy ireo amin'ny tanjaky olona mahery"
Eliho dia miresaka ny fahafahan'Andriamanitra mampanantena ny olona ao anaty tranga mampikorontana toy ny hoe manome hira izay azon'izy ireo hiraina mandritra ny alina.
Manohy ny fitenenany i Eliho.
"mitaraina ireo olona nampahoriana"
Satria tsy handre ny vavaky ny olona mpirehareha Andriamanitra, dia ny olon-dratsy, dia mbola kely noho izany no handrenesany an'i Joba, izay mitaraina manohitra azy. DH: "Koa dia tsy hamaly anao tokoa izy ...fa miandry Azy ianao!"
"efa nampiseho ny adinao teo anatrehany ianao"
"Miandry azy hamaly ianao"
Manohy ny fitenenany i Eliho.
Milaza i Eliho fa mety ho kely kokoa ny hamalian'Andriamanitra ny vavak'i Joba satria Joba dia milaza ireo zavatra ireo mahakasika an'Andriamanitra ho tsy marina.
"Tsy manasazy na iza na iza mihitsy izy na dia tezitra aza"
Eliho dia miresaka ny "teny" toy ny hoe zavatra, ary ny fitenenana teny maro toy ny hoe manangona ireo zavatra ireo mba hifanaingitaingina. DH: "Miteny teny maro omban-tsy fahalalana ny zavatra resahiny izy"
1 Nanohy ihany Eliho ary niteny hoe: 2 "Mamelà ahy hiteny lavalava kokoa, dia haneho zavatra anao aho satria mbola misy kely ho teneniko ho fiarovana an'Andriamanitra. 3 Hahazo ny fahalalako avy lavitra aho; hiaiky aho fa ny fahamarinana dia an'ny Mpahary ahy. 4 Fa eny tokoa, tsy ho diso ireo teniko; olona matotra ao amin'ny fahalalana no eto aminao. 5 Indro, Andriamanitra dia mahery, ary tsy mamingavinga na iza na iza; mahery amin'ny herin'ny fahazavan-tsaina Izy. 6 Tsy miaro ny ain'ny olona ratsy fanahy Izy fa kosa manao izay marina ho an'ireo izay mijaly. 7 Tsy manala ny masony amin'ireo olona marina Izy fa kosa mametraka azy ireo mandrakizay eo amin'ireo seza fiandrianana toy ny mpanjaka, ka misandratra izy ireo. 8 Raha voafatotra tamin'ny rojo ary voafandrika tamin'ny tadin'ny fampijaliana izy ireo, 9 dia ambarany amin'izy ireo izay nataony, sy ny helok'izy ireo ary ny fieboeboan'izy ireo. 10 Manokatra ny sofin'izy ireo ho amin'ny fampianarany ihany koa Izy, ary mandidy azy ireo mba hiala amin'ny heloka. 11 Raha mihaino Azy sy manompo Azy izy ireo, dia handany ny andron'izy ireo amin'ny fanambinana, sy ny taonan'izy ireo amin'ny fifaliana. 12 Na izany aza, raha tsy mihaino izy ireo, dia ho vonoina amin-tsabatra; ho faty izy ireo satria tsy manam-pahalalana. 13 Mitahiry ny hatezerany ireo izay mpaniratsira am-po; tsy miantso vonjy izy ireo na dia mamatotra azy ireo aza Andriamanitra. 14 Maty eo amin'ny fahatanorany izy ireo; tapitra eo amin'ireo mpijangajanga amin'ny fivavahana ny andron'izy ireo. 15 Andriamanitra mamonjy ireo olona nampahoriana amin'ny alalan'ny fahorian'izy ireo; manokatra ny sofin'izy ireo amin'ny alalan'ny fampahoriana azy ireo Izy. 16 Eny tokoa, te-hanala anao amin'ny fahoriana ho any amin'ny toerana malalaka izay tsy misy zava-tsarotra sy izay androsoana sakafo feno sabora amin'ny latabatrao Izy. 17 Nefa ianao dia feno fitsaràna ny olona ratsy fanahy; nitana anao ny fitsaràna sy ny rariny. 18 Aza avela hitaona anao ho amin'ny fanesoana ny hatezeranao, na hampivily anao ny halehiben'ny vidim-panavotana. 19 Afaka manome tombony anao ve ny harenao, mba tsy ho ao anatin'ny fahoriana ianao, sa afaka manampy anao ve ny herin'ny fahatanjahanao rehetra? 20 Aza maniry ny alina, mba hanotana hanoherana ireo hafa, rehefa esorina eo amin'ny toeran'izy ireo ny olona. 21 Mitandrema mba tsy hiverina hanota ianao satria efa nosedraina tamin'ny fampijaliana ianao mba hanalaviranao ny fahotana. 22 Indro, misandratra amin'ny heriny Andriamanitra; iza no mpampianatra toa Azy? 23 Iza no efa nampianatra Azy ny amin'ny lalany? Iza no mba afaka hiteny Azy hoe: 'Efa nanao ny tsy marina Ianao?' 24 Tsarovy ny midera ireo asany, izay nohirain'ny olona. 25 Efa nijery ireo asa ireo ny olona rehetra, nefa avy eny lavitra ihany no ahitany ireo asa ireo. 26 Indro, lehibe Andriamanitra, nefa tsy azontsika tsara Izy; tsy hay kajiana ny isan'ny taonany. 27 Fa efa manala ireo rano nitete izay natsikany ho orana avy amin'ny entony Izy, [1]28 izay arotsaky ny rahona sy atondrany be amin'ny olombelona. 29 Eny tokoa, misy olona mahatakatra ny halehiben'ny fielezan'ny rahona sy ny kotroka avy ao amin'ny tranony ve? 30 Indro, manaparitaka ny tselany manodidina Azy Izy ary mandrakotra ireo fanambanin'ny ranomasina. 31 Amin'izany fomba izany no hitsarany ireo olona sy hanomezany sakafo mitafotafo. 32 Mameno tselatra ny tanany Izy mandra-pandidiany izany mba hamely ny marik'izany. 33 Ny kotrok'izany dia mampitandrina ny amin'ny tafio-drivotra, ny biby fiompy ihany koa dia afaka mandre fa tamy izany.
Eliho dia miresaka ny fanazavana zavatra amin'ny Joba toy ny hoe andeha hampiseho ireo zavatra ireo an'i Joba izy. DH: "Hanazava zavatra aminao aho"
Eliho dia miresaka ny fananana fahalalana mahakasika zavatra samy hafa toy ny hoe mahazo ny fahalalany avy amin' ny toerana lavitra. DH: "Hasehoko anao ny fahalalako lehibe"
Eto, ny teny hoe "fahamarinana" dia azo adika ho mpamaritra. DH: "fa ny Mpahary ahy dia marina"
"tsy ho diso izay lazaiko"
Ny teny hoe "olona" dia manondro ny tenan'i Eliho ihany. Miresaka ny maha manam-pahalalana toy ny hoe matotra amin'ny fahalalana izy. DH: "Izaho, izay miaraka aminao, dia tena manam-pahalalana"
"Eny tokoa." Ny tany hoe "indro" eto dia manampy ny fanamafisana ny izay manaraka.
Ny andian-teny "mahery amin'ny hery" dia midika hoe "tena matanjaka." Eliho dia miresaka ny fahahalalan'Andriamanitra tsara ny zava-drehetra toy ny hoe tena mahery ny fahalalany. DH: "tena mahery amin'ny fahalalana Izy" na "mahalala tsara ny zava-drehetra izy"
Eliho dia miresaka ny fiarovan'Andriamanitra ny olo-marina toy ny hoe Andriamanitra dia mijery azy ireo amin'ny masony, ary ny fanatsaharan'Andriamanitra ny fiarovana azy ireo toy ny hoe manaisotra ny masony eo amin'izy ireo. DH: "Tsy mitsahatra miaro ny olo-marina Izy"
Eliho dia miresaka ny fanomezan'Andriamanitra voninahitra ny olo-marina toy ny hoe mametraka azy ireo eo amin'ny seza fiandrianana toy ny ataon'ny mapanjaka
Eliho dia miresaka ny fanomezan'Andriamanitra voninahitra ny olo-marina toy ny hoe manandratra azy ireo ho amin'ny toerana ambony. DH: "manadratra azy ireo Izy" na "manome voninahitra azy ireo Izy"
Ny "izy ireo" eto dia manondro ireo olo-marina izay ho faizin'Andriamanitra rehefa manota. DH: "Raha misy olona mmatotra azy ireo amin'ny rojo" na "raha misy olona managadra azy ireo"
Eliho dia miresaka ny olona ampijaliana toy ny hoe voafandriky ny tady izay mampijaly azy izany olona izany. DH: "ary misy olona mampijaly azy ireo"
DH: "Asehony azy ireo ny helony sy ny fieboebony"
Eliho dia miresaka ny fampihainoana ny olona toyny hoe manokatra ny sofin'izy ireo. DH: "Ataony mihano ihany koa izy ireo"
DH: "amin'izay ampianariany azy ireo"
Eliho dia miresaka ny fanatsaharana asa iray toy ny hoe fialana amin'izany. DH: "Mba hitsahatra amin'ny fanaovana heloka"
Ny teny "andro" dy ny "taona" dia samy manondro ny fotoana iainan'ny olona. DH: "Handany ny fiainan'izy ireo ao anaty fanambinana sy fifaliana izy ireo"
Eliho di miresaka ny fahafatesan'ny olona an-kerisetra toy ny hoe novonoina tamin'ny sabtra izy ireo. DH: "ho faty an-kerisetra izy ireo"
Eto, ny teny "fo" dia manondro ny eritreritra sy ny fihetsem-po. Ilay andian-teny dia mety hilaza fa mandà tsy hatoky an'Andriamanitra ankitsirano ilay olona. DH: "Izay mandà tsy hatoky an'Andriamanitra"
Eliho dia miresaka ny mbola fahatezeran'ny olona toy ny hoe mitahiry ny fahatezerany tahaka ny fitehirizana harena. DH: "dia tezitra lalandava"
Eliho dia miresaka ny fanasazian'Andriamanitra ny olona toy ny hoe mamatotra azy ireo amin'ny tady. DH: "na dia manasazy azy ireo aza Andiamanitra"
Eto, ny "mpijangajanga amin'ny fivavahana" dia manondro ireo lehilahy tanora izay manompo tempolin'ny fanompoan-tsampy izy manatanteraka fihetsika ara-nofo tsy mendrika ho anjara fanompoan'izy ireo. Ireo mety ho heviny dia 1) Maty noho ny fitondran-tena tsy mendrika ireo mpaniratsira na 2) maty amin-kenatra sy fahafaham-baraka ireo mpaniratsira.
Eliho dia miresaka ny fanaovany ny olona hiaino toy ny hoe manokatra ny sofin'izy ireo Andriamanitra. Jereo ny fomba nandikanao ao amin'ny 36:10. DH: "ataony miaino izy ireo"
Eliho dia miresaka ny fiainana tsy misy korontna toy ny hoe any amin'ny toerana midadasika izay tsy misy zava-tsarotra.
Eliho dia miresaka ny fiainana feno fanambinana toy ny hoe manana latabatra feno sakafo tsara.
DH: "Handroso ny latabatrao ireo mpanomponao"
Ny hena izay feno sabora dia mariky ny fanambinana satria salama sy tsara fahana ilay biby. DH: "ny sakafo tsara indrindra"
Ireo mety ho heviny dia 1) " Andriamanitra dia manasazy anao tahaka ny hanasazianao ny ratsy fanahy" (UDB) na 2) Ianao dia tottry ny fitsarana izay mandrika ny ratsy fanahy."
Eliho dia miresaka ny fitsaran'Andriamanitra an'i Joba sy ny fanomezany rariny azy toy ny hoe fitsarana sy fahamarinana dia toy ny olna izay nisambotra an'i Joba. DH: "Andriamanitra dia nitondra anao ho amin'ny fitsarana ary nanome rariny anao"
Ny dikan-tenin'ny baiboly sasany dia mandika io hoe: "mitandrema ianao mba tsy ho voataonan'ny harena."
Manontany io fanontaniana io i Eliho mba hanamafisana fa ny vola sy ny hery dia tsy hahavita hanampy azy raha manao ny tsy marina izy. DH: "tsy afaka manome tombony ho anao ny harenao ...ny herin'ny fahatanjahanao rehetra dia tsy afaka manampy anao"
"ny herinao lehibe rehetra" na "ny ezaka mafinao rehetra"
Ireo mety ho heviny dia 1) Ny "olona" dia manondro ny olona amin'ny ankapobeny ary ny " esorina eo amin'ny toerana" dia sarin-tenin'ny fampahoriana ny hafa amin'ny alalan'ny fandroahana azy ireo hiala amin'ny tranony. DH: "rehefa misy olona mandroaka ny hafa hiala amin'ny tranony" na 2) Ny "olona" dia mampiseho firenena ary ny "esorina eo amin'ny toerana" dia sarin-tenin'ny firenena eo an-dalam-pahapotehena. DH: "rehefa ho faty ny firenena"
DH: "Andriamanitra dia misedra anao amin'ny fampahoriana"
Ny teny "indro" dia manampy ny fanamafisana izay manaraka. DH: "Eny tokoa"
Ireo mety ho heviny dia 1) "Tena mahery tokoa Andriamanitra" na 2) "Manandratra an'Andriamanitra ny olona satria Izy dia mahery"
Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa tsy misy mpampianatra tahaka n'Andriamanitra. DH: "TRsy misy mpampianatra tahaka Azy." na "tsy misy mampianatra tahaka ny ataony."
Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa tsy mbola nisy nampianatra an'Andriamanitra izay hataony. DH: "Tsy mbola nampianatra Azy izay tokony hataony;"
Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa tsy misy afaka manameloka an'Andriamanitra ny amin'ny efa nanaovana ny tsy marina. DH: "Tsy misy afaka miteny akory hoe: 'efa nanao ny tsy marina Ianao.'"
Eliho dia miresaka ny tsy fahafahan'ny olona mahatakatra tsara ny asan'Andriamanitra toy ny hoe afaka mijery ireo asa ire avy lavitra fotsiny ihany. DH: "tsy takatr'izy ireo tanteraka ireo"
"Eny tokoa." Ny teny "indro" dia manampy ny fanamafisana izay manaraka.
Io dia manondro ny faharetan'ny fisian'Andriamanitra. DH: "Tsy afaka mahafantatra ny faharetan'ny fahavelomany ny olona" na "tsy afaka mamantatra ny taonany ny olona"
Ny teny "natsika" dia midika ihany koa hoe "nodiovina" na "notatavanina." Mamaritra ny fomba famadihan'Andriamanitra ny ny teten-drano, na entona, ho orana. DH: "izay havadiny ho orana"
Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa tsy misy afaka manao ireo zavatra ireo. DH: "tsy misy afaka mahatakatra ny halehiben'ny fielezan'ny rahona sy ny kotroka avy ao amin'ny tranony."
DH: "ny fielezan'ny rahona eo amin'ny habakabaka"
Eliho dia miresaka ny habakabaka toy ny hoe "trano" izay honenan'Andriamanitra. DH: "avy amin'ny habakabaka, izay honenan'Andriamanitra"
Ny teny "indro" dia manampy ny fanamafisana izay manaraka. DH: "Eny tokoa"
Eliho dia miresaka ny faritra lalina indrindra amin'ny ranomasina toy ny hoe ilay ranomasina dia zava-maniry ary ny halaliny no fakany. Ireo mety ho heviny dia 1) na dia miteraka hazavana eny amin'ny habakabaka aza ny tselatra, ny faritra lalina indrindra amin'ny ranomasina dia maizina hatrany. DH: "fa ny halalin'ny ranomasina dia maizina hatrany" na 2) Ny tselatra eny amin'ny habakabaka dia miteraka hazavana ho an'ny halalin'ny ranomasina. DH: "ary manazava ny halalin'ny ranomasina"
Eliho dia miresaka ny tselatra izay izay miteraka tafio-drivotra toy ny hoe mitazona ny tselatra eo amin'ny tanany ary mandidy izany hamely izay tiany hasiana. Ireo mety ho heviny dia 1) fa Andriamanitra dia mitazona ny tselatra eo an-tanany mba hitorahany azy ireo, na 2) fa Andriamanitra dia manafina ny tselatra ao an-tanany mandra-pahavononany ny hampiasa ireo.
"Ny kotroka izay ateraky ny tselatra" na "Ny kotroka"
"mahare fa avy ny kotroka"
1 Eny tokoa, mihorohoro amin'izany ny foko; miala amin'ny toerany. 2 Henoy, oh, henoy ny fikotaban'ny feony, ny feo izay mivoaka avy amin'ny vavany. 3 Mandefa izany eny ambany lanitra manontolo Izy, ary mandefa ny tselam-pahazavany hatrany amin'ny sisin-tany. 4 Misy feo mierona aorian'izany; mikotrokotroka amin'ny feon'ny voninahiny Izy; tsy manakana ny tsela-pahazavana hitselatra Izy rehefa re ny feony. 5 Mahatalanjona ny fikotrokotroky ny feon'Andriamanitra; manao zavatra lehibe izay tsy takatsika Izy. 6 Fa hoy Izy amin'ny oram-panala: "Milatsaha eny amin'ny tany"; toy izany koa ny ranon'orana: 'Tongava ho rotsak'orana mivatravatra be'. 7 Mampitsahatra ny tanan'ny lehilahy tsirairay amin'ny asany Izy, mba hahafahan'ny olona rehetra izay namboariny hahita ireo asany. 8 Dia miditra ao amin'ny fiafenany koa ireo bibidia ka mamitsaka any an-johiny. 9 Ny tafio-drivotra tonga avy any amin'ny efiny avy any atsimo, ary ny hatsiaka avy amin'ny fiparitahan'ny rivotra avy any avaratra. 10 Amin'ny alalan'ny fofonain'Andriamanitra no mampisy ny ranomandry. Mivaingana toy ny vy ny rano be midadasika. 11 Manavesatra ny rahona matevina amin'ny hamandoana tokoa Izy; mampiely ny tsela-pahazavany amin'ny rahona Izy. 12 Manodikodina ny rahona araka ny fitarihany Izy, mba hahafahan'izy ireo manao izay andidiany azy ireo eo ambonin'ny velaran'izao tontolo izao. 13 Ataony miseho izany rehetra izany; indraindray dia mitranga izany ho fanitsiana, indraindray ho an'ny taniny, ary indraindray ho ny asan'ny fanekena mahatoky. 14 Henoy izao, ry Joba; mijanòna ary saino ny momban'ireo asa mahagagan'Andriamanitra. 15 Fantatrao ve ny faneren'Andriamanitra amin'ny sitrapony amin'ny rahona sy fanaovany ny tsela-pahazavana hitselatra ao amin'ireo? 16 Takatrao ve ny fihevahevan'ny rahona, ireo asa mahagagan'Andriamanitra, izay tonga lafatra amin'ny fahalalana? 17 Takatrao ve ny mahatonga ireo akanjonao hafana rehefa tony ny tany satria tonga avy any atsimo ny rivotra? 18 Ianao ve afaka mamelatra ny habakabaka toy ny ataony— dia ny habakabaka, izay mafy toy ny fitaratra manganohano vita amin'ny vy voarendrika? 19 Mba ampianaro anay ary izay tokony ho lazainay aminy, fa izahay tsy mahavita mandahatra ireo tohan-kevitray nohon'ny fahamaizinan'ny fisainanay. 20 Tokony hilazana izay tiako lazaina aminy ve Izy? Misy olona maniry ny ho voatelina ve? 21 Ankehitriny, tsy afaka mijery ny masoandro rehefa mamiratra eny amin'ny habakabaka ve ny olona aorian'ny fandalovan'ny rivotra ka nampisavany ny rahony. 22 Avy any avaratra no hihavian'ny famirapiratana volamena— voninahitra mampatahotra no eo amin'Andriamanitra. 23 Raha ny amin'ilay Tsitoha, tsy afaka mahita Azy isika! Izy dia lehibe amin'ny fahefana; tsy mampahory ny rariny Izy ary be fahamarinana. 24 Noho izany, matahotra Azy ny olona. Tsy mijery ireo izay mihevi-tena ho hendry akory Izy."
Ireo andian-teny ireo dia mitovy hevitra amin'ny ankapobeny ary manamafy ny hamafin'ny tahony.
Ny teny "izany" dia manondro ilay kotroka ao amin'ny 36:32.
Eliho dia miresaka ny hamafin'ny fidobodoboky ny fo toy ny hoe mitsambikina miala ao amin'ny tratra. DH: "miala ao amin'ny tratra izany" na "midobodoboka mafy izany"
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy hevitra amin'ny ankapobeny. Eliho dia miresaka ny kotroka toy ny hoe feon'Andriamanitra.
Eliho dia miresaka ny toerana lavitra indrindra amin'ny tany toy ny hoe sisin'ny tany. DH: "na aiza na aiza amin'izao tontolo izao"
Eliho dia manohy ny fitenenany ny kotroka toy ny hoe feon'Andriamanitra.
"mierona aorian'ilay tselatra"
"ny feo malazany"
DH: "rehefa ren'ny olona ny feony"
Ny matoanteny dia mety efa volaza ao amin'ny andian-teny teo aloha. DH: "toy izany koa no hilazany ny ranon'orana"
Eto, ny teny hoe "tanana" dia mampiseho ilay olona iray manontolo. DH: "Mampitsahatra ny lehilahy rehetra Izy"
Any Israely, ny tafio-drivotra mahery dia mitsoka avy any atsimo ary ny hatsiaka miditra avy any avaratra.
Eliho dia miresaka ny fitsoky ny tafio-drivotra avy any tatsimo toy ny hoe manana ny toerana hijanonany mandra-pihaviny ny tafio-drivotra.
Eliho dia miresaka ny rivotra mangatsiaka any avaratra toy ny hoe fofonain'Andriamanitra. DH: "Miteraka ranomandry ny fofonain'Andrimanitra"
Eliho dia mampitaha ny hamafin'ny ranomandry amin'ny hamafin'ny vy. DH: "mivaingana, mafy tahaka ny vy"
Eliho dia miresaka ny fanaovan'Andriamanitra ny rahona ho feno rano toy hoe mivesatra eo amin'ny rahona ny hamandoana. DH: "Ataony feno hamandoana tokoa ny rahona matevina"
Ny kendreny amin'ny "fanitsiany" dia olona. DH: "indrindray dia mitranga mba hanitsiana ny olony izany"
Io dia midika fa manondraka ny tany ny orana ka mapamitombo ny zava-maniry. DH: "indraindray mb hanondrahana ny tany"
Manontany io fanontaniana io i Eliho mba hanamafisana fa i Joba dia tsy afaka ny hahafantatra izany. DH: "tsy afaka ny hahatakatra ny faneren'Andriamanitra ny sitrapony amin'ny rahona sy ny fanaovany ny tsela-pahazavana hitselatra ao amin'izy ireo ianao."
"mifehy ny rahona" na "ataony mankato azy ny rahona"
Manontany io fanontaniana io i Eliho mba hanamafisana fa i Joba dia tsy mahalala ireo zavatra ireo. DH: "tsy mahalala ny fihevahevan'ny rahona ianao, ireo asa mahagagan'Andriamanitra, izay tonga lafatra amin'y fahalalana."
"ny fomba fihevahevan'ny rahona"
DH: "na mahatakatra ireo asa mahagagan'Andriamanitra" na "ary tsy mahatakatra ireo asa mahagagan'Andriamanitra ianao"
Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa i Joba dia tsy mahalala ireo zavatra ireo. DH: "tsy takatrao ny fomba mahatonga ny akanjona hafana ...avy any atsimo ny rivotra."
"ny mahatonga anao hafana ao anatin'ny akanjona" na "ny mahatonga anao ho tsemboka ao anatin'ny akanjonao"
Any Israely, ny rivotra mafana dia mitsoka mandalo ny tany efitra avy any atsimo ary miteraka hafanana. DH: "nohon'ny rivotra mafana sy maina mitsoka avy any atsimo"
Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa i Joba dia tsy afaka manao io zavatra io. DH: "tsy afaka mamelatra ny habakabaka ianao ...fitaratra manganohano vita amin'ny vy voarendrika."
Ny fitaratra dia vita tamin'ny vy. Eliho dia miresaka ny tsy fanomezan'ny habakabaka orana toy ny hoe izany dia bolongam-by mafy.
Io dia manondro ny ny vy izay atsonika, araraka ao anaty lasitra, ary mivaingana rehefa mangatsiaka.
Eto, ny teny "anay" sy ny "-nay" dia manondro an'i Eliho, Elifaza, Bildada, ary Zofara, fa tsy i Joba tsy isany. Mampiasa io andian-teny io an'eso i Eliho.
Eliho dia miresaka ny tsy fahafahana mahatakatra toy ny hoe fananana fahamaizinana ao an-tsaina. DH: "satria tsy mahatakatra izahay"
Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa tsy misy afaka manao izany. DH: "tsy afaka maniraka olona mba hilaza aminy ny faniriako hiresaka aminy aho."
DH: "tokony haniraka olona hiteny aminy"
Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa tsy misy olonamaniry ny hitrangan'izany. DH: "Tsy misy olona maniry ny ho voatelina"
Eliho dia miresaka ny fahapotehan'ny olona toy ny hoe voatelina. DH: "fa hamotika ny olona Andriamanitra"
Nyu andian-teny "famirapiratana volamena" dia manondro ny voninahitr'Andriamanitra. Io dia azo adika mazava ao amin'ny fandiakn-teny. DH: "Andriamanitra dia tonga avy any avaratra miaraka amin'ny famirapiratana volamena.
Ny teny "mampatahotra" dia midika hoe miteraka tahotra. Eliho dia miresaka ny voninahitr'Andriamanitra toy ny hoe zavatra mipetraka amin'Andriamanitra. DH: "miteraka tahotra ho an'ny olona ny voninanahitr'Andriamanitra"
Ireo mety ho heviny dia 1) "tsy afaka manatona Azy isika" na 2) io dia sarin-tenin'ny fitenenan'i Eliho ny tsy fahafahan'ny olona mahatakatra tanteraka an'andriamanitra toy ny hoe tsy afaka mahita an'Andriamanitra. DH: "tsy afaka mahatakatra Azy isika"
DH: "ireo izay hendry amin'ny fiheviny manokana" na "ireo izay mihevitra ny tenany ho hendry"
1 Avy eo dia niantso an'i Joba avy tao amin'ny tafio-drivotra mahery vaika Yaveh ka nanao hoe: 2 "Iza ity mitondra aizina amin'ireo fikasana amin'ny alalan'ny teny tsy misy fahalalana ity? 3 Ampisikino tahaka ny lehilahy ny valahanao fa hametra-panontaniana aminao Aho, ary tsy maintsy mamaly Ahy ianao. 4 Taiza ianao fony nanorina ny fototry ny tany Aho? Lazao Ahy, raha tena manana fahazavan-tsaina be ianao. 5 Iza no namaritra ireo refiny? Lazao Ahy, raha fantatrao. Iza no nanenjana ny tady fandrefesana teo aminy? 6 Tamin'ny inona no nametrahana ny fotony? Iza no nametraka ireo vato fehizorony 7 rehefa niara-nihira ny kintan'ny maraina ary nihiaka fifaliana ireo zanak'Andriamanitra rehetra? 8 Iza no nanidy ny ranomasina tamin'ny varavarana rehefa vaky izany, raha nivoaka toy ny avy tao am-bohoka izany— 9 rehefa nanao ireo rahona ho fitafiany Aho, ary aizim-pito ho fonony? 10 Izany dia tamin'ny namaritako ny faritra amin'ny sisin-dranomasina, sy tamin'ny nametrahako ny hidy sy varavarany, 11 ary tamin'ny nitenenako taminy hoe: 'Mety ho tonga hatreo ianao, saingy tsy hihoatra lavitra; eto no hametrahako ny fetra amin'ny fisafoaky ny onjanao.' 12 Hatramin'izay nanombohan'ny andronao, efa nanome baiko ny maraina hiposaka ve ianao, ary nahatonga ny mangiran-dratsy hahalala ny toerany eo amin'ny filahatry ny zavatra rehetra, 13 mba hitazonany ireo zoron'ny tany ka hiozongozona hiala eo aminy ny olona ratsy fanahy? 14 Niova tahaka ny fiovan'ny tanimanga ambanin'ny tombo-kase ny endriky ny tany; ny zava-drehetra eo aminy dia miavaka mazava tsara tahaka ny fivalonan'ny lamba. 15 Avy amin'ireo olona ratsy fanahy no nanesorana ny 'hazavan'izy ireo; ny sandry misandratr'izy ireo dia notapahana. 16 Efa nandeha tany amin'ny loharanon-dranomasina ve ianao? Efa nandeha tany amin'ny lalina ambany indrindra ve ianao? 17 Efa naseho taminao ve ireo vavahadin'ny fahafatesana? Efa nahita ireo vavahadin'ny aloky ny fahafatesana ve ianao? 18 Efa nodinihanao ve ny fivelaran'ny tany? Lazao Ahy, raha fantatrao daholo izany. 19 Aiza no lalana mankany amin'ny toerana fitsaharan'ny fahazavana— tahaka izany ny aizina, aiza ny toerany? 20 Afaka mitarika ny hazavana sy ny aizina any amin'ireo toeram-piasan'izy ireo ve ianao? Hitanao ve ny lalana miverina mankany an-tranon'izy ireo? 21 Fantatrao tsy am-pisalasalana izany, satria efa teraka tamin'izany ianao; lava dia lava tokoa ny isan'ny andronao! 22 Efa niditra tao amin'ny trano fitehirizana ny ranomandry ve ianao, na efa nahita ny trano fitehirizana ny havandra ve ianao, 23 ireo zavatra izay notehiriziko ho amin'ireo fotoam-pahoriana, ho amin'ireo andron'ny ady? 24 Aiza ny lalana hitselaran'ny varatra na miparitaka mankaiza eto ambonin'ny tany ireo rivotra avy any atsinanana? 25 Iza no nihady ireo lalan-drano ho an'ny tondrak'orana, na iza no nanoritra ny lalan'ny fipoahan'ny varatra, 26 mba hampilatsaka ny orana eny amin'ireo tany izay tsy misy olona, sy eny amin'ny tany efitra, izay tsy misy na iza na iza, 27 mba hahatanterahana ireo filàn'ireo tany karakaina sy efitra, ka hampitsimoka ny ahi-maitso? 28 Manan-dray ve ny orana? Iza no niteraka ny ranon'ando? 29 Kibon'iza no niavian'ny ranomandry? Iza no niteraka ny fanala avy any an-danitra? 30 Miafina ny rano ary lasa sahala amin'ny vato; lasa mivaingana ny fanambonin'ny lalin. 31 Afaka manery ireo rojo amin'ireo Ikotokelimiadilaona ve ianao, na mamaha ny tadin'ny Telonohorefy? 32 Afaka mitarika ireo kintana mba hiseho amin'ny fotoana tokony ho izy ve ianao? Afaka mitarika ny Bera miaraka amin'ireo zanany ve ianao? 33 Mahafantatra ny lalàn'ny lanitra ve ianao? Afaka mametraka ny lalàn'ny lanitra ambonin'ny tany ve ianao? 34 Afaka mampiaka-peo hatrany amin'ny rahona ve ianao, mba handrakofan'ny ranon'oram-be anao? 35 Afaka mandefa tselatra ve ianao mba hahafahan'izy ireo mivoaka, mba hitenenan'izy ireo hoe: 'Indreto izahay?' 36 Iza no nametraka fahendrena teny amin'ny rahona na nanome fahazavan-tsaina tamin'ny zavona? 37 Iza no afaka manisa ny rahona amin'ny fahaizany? Iza no afaka manondraka ny fitoeran-dranon'ny lanitra 38 rehefa mitambatra ho fotaka lehibe ny vovoka ary miraikitra ireo bainga-tany? 39 Afaka misambotra haza ho an'ny liona vavy ve ianao na manome fahafaham-po ny hanoanan'ireo liony tanora 40 rehefa mamitsaka ao amin'ny fitoerany sy manotrika ao amin'ny kirihitra izy ireo? 41 Iza no mamatsy haza ho an'ireo goaika rehefa mitaraina amin'Andriamanitra sy mivembena nohon'ny tsy fahampian-tsakafo ireo zanany?
"ary dia." Ny teny hoe "avy eo" dia manomboka zavatra hafa ao amin'ny boky izay mamaritra izay hiseho manaraka. Jereo raha misy fomba hanombohana resaka vaovao mitovy amin'io amin'ny fiteninao.
"namaly an'i Joba" na "nanohina an'i Joba"
"avy tao amin'ny tafio-drivotra matanjaka"
Manontany io fanontaniana fampisainana io i Yaveh mba hanamafisana fa i Joba dia miteny zavatra tsy fanatny akory. Azo adika ho fanambarana io. DH: "Mitondra aizina amin'ny fikasako amin'ny alalan'ny teny tsy misy fahalalana ianao."
"iza ianao no hitondra"
"manamaizina ny fikasako" na "mampifanjevo ny tanjoko." Ny fomba nampifanjevoan'i Joba ny fikasan'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe mampanjavozavo ny fahitana ny fikasan'Andriamanitra. Ny anarana "aizina" dia azo adika amin'ny matoanteny "manamaizina." DH: "manamaizina ny fikasako" na "mampanjavozavo ny fikasa"
"amin'ny alalan'ny fitenenana zavatra tsy fanatatrao akory"
Ny anarana "fahalalana" dia azo adika amin'ny mpamaritra. DH: "teny tsy fantatra" na "teny tsy miy fahalalana"
"afatory manodidina ny andilanao tahaka ny an'ny lehilahy akanjo lavanao." Mamatotra ny akanjo lavany manodidina ny andilany ny lehilahy mba hahafahan'ny tongotr'izy ireo mihetsika tsara. Ny fomba fiteny hoe: "Ampisikino tahaka ny lehilahy ny valahanao" dia midika ho fahavononana hanao zavatra toy ny asa, fifaninana, na ady, ary Joba dia miomana amin'ny ady lehibe ny amin'ny famaliana an'Andriamanitra. DH: "Omano amin'ny ady mafy ny tenanao"
Manomboka manandrina an'i Joba amin'ny fanontaniana samihafa i Joba.
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Lazao Ahy izay nisy anao raha nanorina ny fototry ny tany Aho, raha tena manana fahazavan-tsaina be ianao"
Yaveh dia manoritsoritra ny famoronany ny tany toy ny hoe manorina fotodrafitr'asa.
Ny anarana "fahazavan-tsaina" dia azo adika amin'ny matoanteny "mahatakatra." DH: "raha tena mahatakatra tokoa ianao"
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Lazao Ahy izay namaritra ny refiny, raha fantatrao"
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "lazao ahy izay nanenjana ny tady fandrefesana teo aminy."
tady nakofehy izay ampiasain'ny olona mba hahamarina ny habe na ny endriky ny zavatra iray.
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Ny teny "-ny" dia manondro ny tany.
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "lazao Ahy izay nametrahana ny fotony."
DH: "tamin'inona no nametrahako ny fotony"
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "lazao Ahy izay nametraka ny vato fehizorony rehefa ...nihiaka-pifaliana ireo zanak'Andriamanitra rehetra."
Ireo andalana roa ireo dia mitovy ara-kevitra.
Ny kintan'ny maraina dia resahina toy ny mihira tahaka ny olona mihira. Ireo mety ho heviny dia: 1) ny "kintan'ny maraina" dia mitovy amin'y zanak'Andriamanitra" ao amin'ny andalana manaraka na 2) ny "kintan'ny maraina" dia manondro ny kintana eny amin'ny habakabaka
Io dia manondro ny anjely, eny an-danitra. Jereo ny nandikanao azy tao amin'ny 1:6.
Ny anarana "fifaliana" dia azo adika ho tambinteny "amim-pifaliana." DH: "nihiaka tamim-pifaliana"
"satria feno hafaliana izy ireo"
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "lazao Ahy izay nanidy ny ranomasina tamin'ny varavarana ....ary aizim-pito ho fonony."
Yaveh dia mampitaha ny fomba namefeny ny ranomasina tsy handrakotra ny tany rehetra amin'ny fihazonana izany amin'ny varavarana. DH: "namefy ny rano tsy hitondraka eo amin'ny tany rehetra" (UDB)
Yaveh dia mampitaha ny famoronany ny ranomasina amin'ny fiterahana.
"ho fitafiana ho an'ny ranomasina"
Ny anarana "aizina" dia azo adika ho mpamaritra "maizina." DH: "ary nanao ny raho-maizina ho fonony"
lamba lavalava izay ampiasain'ny olona mba handrakofana ny zaza aorian'ny fahaterehany.
"nanao faritra ho an'ny ranomasina Aho"
Andriamanitra dia nametraka fetra izay tsy azon'ny ranomasina hioarana.
Yaveh dia mampitaha ny fomba nanaovany ny fari-dranomasina amin'ny fanasiana hidy sy varavarana ny ranomasina. DH: "nanasiako sakana izany"
Hazo na vy lavalava izay ampiasaina mba hampikatona ny varavarana.
"ary tamin'ny nitenenako tamin'ny ranomasina." Yaveh dia miresaka ny ranomasina toy ny hoe olona.
Ny teny "hatreo" dia midika hoe hatreo amin'ny faritra napetrak'i Yaveh ihany. DH: "mety ho tonga hatreo amin'io faritra io ianao, saingy tsy hihoatra lavitra"
"amin'ny herin'ny onjanao." Ny onja dia resahina toy ny hoe afaka manana fireherehana. Ny anarana fireharehana dia azo adika amin'ny mpamaritra "mirehareha." DH: "amin'ny fireharehan'ny onjanao" na "amin'ny onja maherinao"
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Io fanontaniana io dia mitaky valiny mandà. Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "tsy mbola ...hiozongozona hiala eo aminy ny olona ratsy fanahy."
"hatramin'izay nahterahanao" na "hatramin'izay andro efa niainanao"
Ireo andalana roa ireo dia mitovy ara-kevitra.
Yaveh dia mamaritra ny fahafahan'ny maraina mandray baiko sy mahafantatra zavatra tahaka ny olona.
"nahatonga ny mangiran-dratsy hahalala izay misy azy"
ny hazavana iza miseho amin'ny maraina mialohan'ny hiposahan'ny masoandro
Ny teny "-ny" dia manondro ny mangiran-dratsy.
Ny fahazavan'ny mangiran-dratsy dia resahina toy ny hoe mipetraka eny amin'ny fara-vodi-lanitra. DH: "mitantana ny faran'ny tany"
Ny hazavana dia heverina ho manozongozona ny olona ratsy fanahy mba hiala toy ny fanozongozonana zavatra mba hialan'ny zavatra tsy ilaina. DH: "ka hanozongozona ny olona ratsy fanahy hiala amin'ny tany"
Amin'ny alina, ny olona dia tsy dia afaka mahita tsara, kanefa rehefa maraina dia mampiseho ny tena endriky ny zava-drehetra ny mazava, takaka ny tombo-kase maneho sary mazava tsara amin'ny tanimanga.
Eto, ny "aminy" dia manondro ny tany. Io andian-teny io dia mitovy dika amin'ilay andian--teny voalohany amin'ity andininy ity.
DH: "ny maraina no manala ny 'fahazavan'ny olona ratsy fanahy."
Ny ratsy fanahyy dia mihevitra ny aizina ho fahazavan'izy ireo, satria manao ny asa ratsin'izy ireo ao anaty aizina izy ireo ary tsy vahiny amin'ny alina izy ireo.
Ny sandry mijoron'ny ratsy fanahy dia mampiseho ny herin'izy ireo sy ny fikasana hanao zava-dratsy, kanefa ny ratsy fanahy dia mitsahatra amin'ny fanaovana ireo zavatra ireo rehefa tonga ny fahazavan'ny maraina.
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Ny Andininy faha 16 sy 17 izay samy manana andalana roa avy izay mitovy ny heviny.
Ireo fanontaniana roa ireo dia mitaky valin-teny mandà. Ireo dia azo atao ho fanambarana. DH: "Tsy mbola nandeha tany amin'ny loharanon-dranomasina ve ianao, na nandeha tany amin'ny lalina ambany indrindra. Tsy mbola naseho anao ireo vavahadin'ny fahafatesana, ary tsy mbola nahita ireo vavahadin'ny aloky ny fahafatesana ve ianao. Tsy takatrao nhy velaran'ny tany."
"loharano"
Io dia manondro ny faritra tena lalina amin'ny rano na ranomasina. DH: "ny ranomaina lalina" na "ny halalin'ny ranomasina" na "ny rano lalina"
Ny fahafatesana dia resahina toy ny hoe vavahadin'ny tanàna izay hidiran'ny olona. DH: "Efa nisy nampiseho anao ny vavahadin'ny fahafatesana ve?
Adikao tahaka ny ao amin'ny 3:4 io.
"Ny toerana be velarana amin'ny tany"
"raha fantatrao daholo ny mahalkasika ireo zavatra ireo"
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Isaky ny andininy dia misy andia-teny mifanindran-dalana.
Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "tsy fantatrao ny lalana mankany amin'ny toerana fitsaharan'ny fahazavana na ny aizina."
"ny fitoeran'ny fahazavana." Ny fahazavana dia resahina toy ny hoe miala sasatra any amin'ny toerana izay ivoahany isan'andro.
"mazava" na "hazavan'ny masoandroa"
Ireo fanontaniana ireo dia mitaky valin-teny mandà. Ireo dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy afaka mitarika fahazavana sy aizina any amin'ny toeram-piasan'izy ireo ianao, na mahita lalana miverina mankany an-tranon'izy ireo."
"amin'ny faritanin'izy ireo." Ny fahazavana sy ny aizina dia resahina toy ny hoe mivezivezy isan'andro mba hanatanteraka ny tanjon'i Yaveh.
Yaveh dia mampiasa io sarin-teny fanesoana io mba hanamafisana fa i Joba dia tsy mahatakatra ny fahazavana sy ny aizina. DH: "mazava hoazy fa tsy fantatrao, satria mbola tsy teraka ianao raha namorona ireo Aho, ary mbola tsy tena lehibe ianao."
"satria dia efa niaina ianao tamin'izany." Ny teny hoe "tamin'izany" dia manondro ny fotoana izay namoronana ny fahazavana sy ny nanasarahana azy tamin'ny aizina. DH: ""satria efa teraka ianao tamin'ny namoronako azy ireo"
"efa niaina taona maro ianao"
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Ireo fanontaniana ireo dia mitaky valin-teny mandà. Ireo dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy mbola niditra tao amin'ny trano fitehirizana ny ranomandry, na nahita ny trano fitehirizana ny havandra, ...ady mihitsy ianao."
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy ara-kevitra.
Ny ranomandry sy ny havandra dia heverina ho ampirimin'Andriamanitra mba hanao ny sitrapony.
bolongana ranomandry (madinika matetika) izay milatsaka avy any an-habakabaka mandritra ny tafio-drivotra
DH: "inona no lalana mankany amin'izay hanaparitahako ny tselaran'ny varatra na hanaparitahako ny rivotra avy any atsinana manerana ny tany?"
"mitsoka ny rivotra"
Manohy ny fanadrinany an'i Joba i Yaveh.
Manontany io fanontaniana io i Yaveh mba hanamafisany fa lehibe noho i Joba izy satria Yaveh dia mampilatsaka ny orana sy manapoaka varatra amin'izany fa i Joba kosa tsy mahavita.
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Izaho ihany no namorona lalan-drano ho an'ny tondrak'orana, ary Izaho no ...hampitsimoka ny ahitra."
"riak'orana"
"lalan'ny tsela-baratra." Ireo mety ho heviny dia ) Mandidy ny ny tokony ho fitselatry ny tselatra na 2) Izy no mandidy izay tokony halehan'ny kotrok'orana.
Ireo andian-teny roa ireo dia mifanakaiky ny heviny.
"izay tsy misy olona"
Ny fampahafantarana an-kolaka dia ny orana mahita ny mila azy. DH: "mba hahafahan'ny orana mamalifaly ny filan'ny "
"simba sy rava." Ireo teny roa ireo dia tsy mifankaiza ny heviny ary manamafy ny fahasimbana sy ny fahafoanan'ireo faritra ireo.
"ahi-bao" na "ahitra tanora." Io dia ahitra izay vao manomboka mitombo.
"manomboka maniry"
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana i Yaveh mba hanamafisany fa i Joba dia tsy mahatakatra ny nanaovan'Andriamanitra ny orana, ando, ranomandry , ary ny fanala.
Manoritsoritra ny orana toy ny hoe olona i Yaveh.
Ny asa'izany ray izany dia manao izay hahateraka ny zaza
Ny ranon'ando izay miforona avy fanodinan'ny zava-maniry na zavatra hafa ny entona ho lasa rano.
"Iza no niteraka ny fanala"
mandritra ny ririnina, manafina ny rano ao ambaniny ny ranomandry.
Io dia manondro ny rano lalina toy ny farihy, renirano, ary ranomasina.
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana i Yaveh mba hanamafisany fa i Joba dia tsy mahalala ny fomba hifehezana ny kintana.
"mamehy ny rojo" na "mamatotra ny fatorana"
Ireo dia anaran-kintana. Jereo ny nandikanao azy ireo ao amin'ny 9:7.
"manapaka ny tady izay mihazona ny Telonohorefy"
Io dia manondro ireo karazan-kintana roa amibin'ny folo izay miseho ao afaran'ny masoandro rehefa milentika izy. Karazan-kintana miseho ao afaran'ny masoandro isam-bolana.
"mba hisehoan'izy ireo amin'ny alina"
"kintana madinika"
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana i Yaveh mba hanamafisany fa i Joba dia tsy afaka mifehy ny rahona, ny orana, na ny tselatra.
"mba ho rakofan'ny rano e ianao"
"Afaka mibaiko ny tselatra mba handeha any amin''izay tianao handehanany ka hizorany tokoa ve ianao"
"ary hiteny aminao izy ireo"
Io andian-teny io dia midika hoe: "indreto izahay ka afaka miteny aminay izay tianao hataonay ianao."
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana i Yaveh mba hanamafisany fa izy dia manana fahefana aminny rahona, fa i Joba kosa tsy manana.
"nanome fahendrena ny rahona." Manoritsoritra ny rahona toy ny hoe olona ka omena fahendrena izy ireo mba hahalalany izay tokony hataony.
Io andian-teny io dia midika hoe: "iza no afaka mifehy ami-mpahendrena ny hatevin'ny rahona eny amin'ny habakabaka."
Hoditra izay nozairin'ny olona mba hitondrana rano. Yaveh dia manondro ny rahona matevina toy ny hoe "fitoeran-drano" satria io dia mitazona rano maro tahaka ny fitoeran-drano.
"rehefa mamolavola ny fotaka ho bolongany iray ny orana." Ny orana dia manambatra ny fota-maina mba ho bolongan-tany iray ihany.
"mitambatra ireo vonga-tany"
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana i Yaveh mba hanamafisany fa mahalala ny hamahanana ny liona Izy, fa i Joba kosa tsy mahalala.
"remby." Io dia ny biby izay azon'ny liona hanina.
Mety ho "liona iray."
"na manome sakafo ampy ho an'ny liona tanora mba hivelomany"
"ireo liona tanora." Ireo dia ireo liona tanora izay efa lehibe afaka mihaza ho an'ny tenany.
"ao amin'ny toerana izay hivelomany" na "ao amin'ny toerana fitoerany"
"mijanona ao anaty ala mikitroka"
"toerana fiafenan'izy ireo" na "toerana fiafenan'izy ireo mba hisamborany biby hafa." Miafina ao anaty ahitra matevina ny liona ary miandry ny biby hafa handalo eo ka hahafany mitsambikina misambotra ilay biby.
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana i Yaveh mba hanamafisany fa Izy no manome sakafo ny goaika, fa tsy i Joba.
Biby izay tadiavin'ny goaika ary azony hanina.
"vorona".
"mila vonjy amin'Andriamanitra" na "miantso an'Andriamanitra mba hamonjy azy ireo"
"mirenireny"
"satria tsy manan-tsakafo" na "satria tsy manan-kohanina izy ireo"
1 Fantatrao ve hoe amin'ny fotoana inona no iterahan'ny osi-dia ny zanany eny amin'ny vatolampy? Voadinikao ve rehefa miteraka ny zanany ny diera vavy? 2 Voaisanao ve ireo volana hitondran'ireo vohoka? Fantatrao ve ny fotoana hiterahany ireo zanany? 3 Miondrika izy ireo ka miteraka ny zanany, ary dia tapitra ny fanaintainan'ny fiterahany. 4 Mihamatanjaka sy mitombo eny amin'ny saha lehibe ireo zanany; lasa izy ireo ka tsy miverina intsony. 5 Iza no mamela malalaka ny boriki-dia andeha? Iza no namaha ny fatoran'ny ampondra-dia, 6 izay efa nanamboarako fonenana any Araba, ny tranony any amin'ny tanin-tsira? 7 Mihomehy am-panesoana ny tabataba ao an-tanàna izy; tsy mahare ny hiakiak'ireo mpandroaka izy. 8 Mirenireny eny an-tendrombohitra fihinanam-bilony izy; any izy no mitady ny ahi-maitso rehetra hohanina. 9 Ho faly hanompo anao ve ny ombi-dia? Hanaiky ny hijanona eo amin'ny fihinana namboarina ve izy? 10 Mahafehy ny ombi-dia amin'ny tady mba hamadihany ny bainga ve ianao? Handravona ny lohasaha ho anao ve izy? 11 Hatoky azy ve ianao satria lehibe ny heriny? Handao ny asanao mba ho ataony ve ianao? 12 Hiantehitra aminy mba hitondra ny varinao any an-trano, sy hanangona ny vary ho eo amin'ny famoloanao ve ianao? 13 Ny elatry ny ostritsa dia mikopakopaka am-pireharehana, nefa misy fitiavana ve ny elany sy ny volony? 14 Satria mandao ireo atodiny eny amin'ny tany izy, ary avelany hafana ao amin'ny vovoka ireo; 15 hadinony fa mety hisy tongotra hanorotoro na mety hisy bibi-dia hanitsakitsaka azy ireo. 16 Mampijaly ireo zanany izy tahaka ny hoe tsy azy ireo; tsy matahotra izy na dia mety ho very maina aza ny asany, 17 satria Andriamanitra nanala taminy ny fahendrena ary tsy nanome azy fahalalana. 18 Rehefa mihazakazaka mafy izy, dia hiomehezany am-panesoana ny soavaly sy ny mpitaingina azy. 19 Moa ve nomenao ny heriny ny soavaly? Nampiakanjo ny vozony tamin'ny volony mihofahofa ve ianao? 20 Efa nampitsambikina azy tahaka ny valala ve ianao? Mampahatahotra ny hamafin'ny fiefonefony. 21 Mibitaka amin'ny heriny izy ary miravoravo amin'ny tanjany; mivoaka faingana hitsena ny fitaovam-piadiana izy. 22 Maneso ny tahotra izy ary tsy raiki-tahotra; tsy mihemotra amin'ny sabatra izy. 23 Mifioka eo anilany ny zana-tsipìka, miaraka amin'ny lefona manjelatra ary ny lefom-pohy. 24 Mitelina tany amin'ny fahavinirana sy fahatezerana izy; amin'ny fanenon'ny anjomara, tsy tafajanona amin'ny toerana iray izy. Na oviana na oviana no hanenoan'ny anjomara, dia hoy izy hoe: 'Aha!' 25 Manimbolo ny ady avy any lavitra izy—dia ny kotaba mafin'ny ny mpifehy ary ny horakoraka. 26 Avy amin'ny fahendrenao ve no mampanidina ny hitsikitsika, ka hamelarany ny helany ho any atsimo? 27 Amin'ny baikonao ve no hiakaran'ny ny voromahery sy hanamboarany ny tranony amin'ny toerana avo? 28 Mivelona eo amin'ny harambato izy ary manamboatra ny akaniny eo amin'ny tendron'ny harambato, izay fiarovana mafy. 29 Avy eny no hitadiavany ny hazany; mahita azy ireo avy eny lavitra eny ny masony. 30 Misotro rà ihany koa ny zanany; izay toerana misy fatin'olona, dia eny izy."
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana i Yaveh mba hanamafisany fa Izy dia lehibe noho i Joba satria Yaveh no misahana ny biby any an-tendrombohitra; osy ,diera, fa i tsy i Joba.
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Mazava hoazy fa tsy fantatrao tokoa ny fotoana ....hiterahany ireo zanany!"
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy mahavita manidinika ny fizotry ny zava-drehetra ara-dalàna ianao rehefa miteraka ny zanany ny diera vavy!"
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy afaka manisa ny volana ny volana hitondrany vohoka ianao."
"ny fotoana maha-bevohoka azy ka manandra-paha-terany"
Ny teny "ireo" dia manondro ireo osy sy ireo diera.
"bevohoka"
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Mazava hoazy fa tsy mahalala ny ny fotoana hiterahany ny zanany ianao"
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Ny teny "izy ireo" dia manondro ireo osi-dia sy diera eny an-tendrombohitra.
Ireo mety ho heviny dia 1) tapitra ny fanaintaina amin'ny fiterahana rehefa vita ny fiterahana na 2) "ny fanaintainan'ny fiterahana" dia sarin-teny izay manondro ny zanak'ireo osy sy ireo diera satria izy ireo dia vokatry ny fanaintainan'ny fiterahan'ny reniny. DH: "namoaka ireo zanany avy tao an-kibony"
"ambanivohitra" na "an'ala"
"tsy miverina any amin'izy ireo intsony" na "miverina any amin'ny renin'izy ireo"
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana i Yaveh mba hanamafisany fa Izy dia lehibe noho i Joba satria Yaveh no mikarakara ny boriki-dia fa tsy i Joba.
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Izaho ilay tokana mamela ny boriki-dia handeha an-kalalahana."
Ireo dia karazan'anarana ho an'ny ampondra mitovy karazana.
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Namaha ny ...any amin'ny tanin-tsira Aho."
tady, rojo, na fehikibo izay hihazonana ny biby mba tsy handositra.
Yaveh dia manoritsoritra ny boriky toy ny hoe olona manana ytrano. "Nomeko azy ho toeram-ponenany i Araba
Ny tany manodidina ny Ranomasin-tsira izay feno sira.
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Ny teny "izy" dia manondro ilay boriki-dia.
Yaveh dia manoritsoritra ny boriky toy ny hoe olona. Mihomehy ny boriky satria ireo izay mipetraka ao an-tanàna dia tsy mandre tabataba mafy, fa izy kosa monina any amin'ny toerana mangina.
Olona izay manery ny biby hiasa.
Toerana ahafahan'ny biby mihinana ny ahitra maniry eny an-tsaha.
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Eto, Yaveh dia mampiasa ireo fanontaniana efatra ireo mba hanamafisany fa i Joba dia tsy tahaka an'i Yaveh satria Joba dia tsy afaka mifehy ny ombi-dia.
Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy ho faly hanompo anao ny ombi-dia."
Ireo mety ho heviny dia 1) karazan'omby izay nipetraka tany an'ala na 2) karazan'ombi-dia.
"mazoto"
Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy hanaiky ny hijanona eo amin'ny fihinana namboarinao izy."
"hijanona eo amin'ny fihinana namboarinao mandritra ny alina"
zavatra fasiana sakafom-biby mba hahafahany mihinana.
Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy mahafehy ny ombi-dia amin'ny tady mba hamadihana ny bainga eny an-tsahanao ianao."
Fatorana amin'ny tady lohan'ny biby na ny tendany mba hitarihana azy.
Fotaka mivadika manaraka ny lavany rehefa avadika.
Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy handravona ny lohasaha ho anao mihitsy izy."
Mampalama sy mamaky ny nofon-tany.
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Eto, Yaveh dia manontany ireo fanontaniana telo ireo mba hanohizany ny fandaharany fa i Joba dia tsy tahaka an'i Yaveh satria Joba dia tsy mahafehy ny ombi-dia.
Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy afaka matoky azy ireo nohon'ny haben'ny heriny ianao."
Nhy teny "azy" dia manondro ilay "ombi-dia."
Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy hahavita hampanao azy ireo ny asanao ianao."
"mampanao azy ny asa mafinao"
Ireo fehezanteny ireo dia mitovy hevitra amin'ny ankapobeny. Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy hahavita hiantehitra aminy ianao ... . ny varinao ho eo amin'ny famoloanao."
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana i Yaveh mba hanamafisany fa I Joba dia tsy afaka ny manazava antony hitondran'ny ostritsa tena amin'ny fitondran-tenany. DH: "Tsy fantatrao raha mampiseho fitiavana ny elatra sy ny volon'ny ostritsa rehefa mamelatra ny elany izy ireo.
Vorona tena lehibe izay mahavita mihazakazaka mafy saingy tsy afaka manidina.
"miandeha amim-pifaliana"
Ny volo lava indrindra amin'ny elatry ny vorona.
Volo madinika izay mandrakotra ny vatan'ny vorona.
Mampisalasala ny teny Hebreo. Ireo mety ho heviny dia 1) "misy fahatokiana" na 2) "vano." Ny anaran'ny vano dia nidika hoe "ilay mahatoky" na "ilay tia" satria fantatry ny olona fa ny vano dia sarotiny ny amin'ny zanany.
Ny teny "azy ireo" dia manondro ireo atody.
"mandia eo amin'izy ireo"
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Ny teny "izy" dia manondro ilay ostritsa vavy.
Ny asa izay ataony eo am-pandatsahana atody.
Raha maty ny zanany, dia zava-poana avokoa ny asany rehetra. DH: "ho zava-pona raha maty ny zanany"
"nampanadino azy ny fahendrena" na "tsy nanome fahendrena azy"
Adikao tahaka ny ao amin'ny 11:4 io.
Io andininy io dia dia mampifanohitra ny fahalemeny amin'ny fikarakarana ny zanany. DH: "na dia izany aza, rehefa mihazakazaka izy"
Io dia milaza an-kolaka fa miomehy izy satria izy dia mahery mihazakazaka noho ny soavaly. DH: "Miomehy izy ...ny mpitaingina azy satria mahery mihazakazaka noho ny soavaly izy"
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Mampiasa ireo fanontaniana telo ireo i Yaveh mba hanamafisany fa i Joba dia tsy tahaka an'i Yaveh satria Joba dia tsy mahafehy ny soavali-dia.
Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy mbola nanome ny heriny ho an'ny soavaly ianao."
Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy afaka mampitafy ny vozony amin'ny volony mihofahofa ianao."
Ny "volon-tsoavaly" dia resahina toy ny hoe fitafiana ho an'ny vozon-tsoavaly. DH: "nanao ny volony handrakotra ny vozony toy ny akanjo"
Ny volo lava izay eo an-tapon'ny vozon-tsoavaly.
Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy mahavita mampitsambikina azy tahaka ny valala ianao."
karazam-balala izay afaka mitsmbikina tena lavitra sytena haingana.
Feo mafy avoakan'ny soavaly amin'ny orony.
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Ny teny "izy" dia manondro ilay soavaly. Mibitaka amin'ny tany izy satria maika ny hanomboka ny ady. DH: "mibitaka amim-pientanam-po izy"
"mitrongy ny tany amin'ny kitrony"
Eto, ny "fitaovam-piadiana" dia mampiseho ady izay atao. DH: "hihanatevina ny ady"
"tsy matahotra mihitsy izy"
"miomehy"
"kivy"
"tsy mitsoaka"
"mandalo sy mamoaka feo"
Hazo misy tendrony maranitra izay atoraky ny olona amin'ny fahavalony
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Ny teny "izy" dia manondro ilay soavaly.
Mirimorimo ny soavaly ary tany izay handalovany dia heverina ho toy ny rano sotroin'ny olona. DH: "mirimorimo mafy amin'ny tany"
Entanim-po mafy dia mafy ialy soavaly, ka mirifatra mafy sy amin-kery.
Io dia azo lazaina fa misy olona mitsoka anjomara. DH: "rehefa misy olona mitsoka anjomara ho fanambarana fa manomboka ny ady"
"Entanim-po ny hijoro hatrany izy"
Ny teny "Aha" dia feo ataon'ny olona rehefa mahita zavatra izy ireo. Mibareoka ny soavaly satria mahita ady.
Midika io fa mahare ireo zavatra ireo ilay soavaly. DH: "mahare ny kotaba mafy izy"
"hiakiaka an'ady." Manana feo mnokana ny olona izay ataon'izy ireo an'ady mba hanehoany fa tena mahery sy mahasahy ary mba hampitahorana ny fahavalo.
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana i Yaveh mba hanaporofoana fa i Joba dia tsy lehibe tahaka an'Andriamanitra. Ny valin-teny miafina amin'io dia "tsia." DH: "tsy amin'ny alalan'ny fahendrena ...ho any atsimo."
Eto, ny famelarany ny elany dia manondro fanidinana. DH: "manidina mankany atsimo"
Araka ny jeografia ara-baiboly, manidina mankany atsimo ny vorona mandritra ny ririnina mba honina any amin'ny mafana.
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana i Yaveh mba hanamafisany fa i Joba manana ny hery ampyy hibaikoana ny voromahery. Ny valin-te y miafina dia "tsia." DH: "Tsy mahavita mibaiko ny voromahery mba hiakatra ka hanao ny akaniny any min'ny toerana avo ianao."
Ny anarana "baiko" dia azo adika ho amin'ny matoanteny. DH: "satria mibaiko azy hanao izany ianao"
Io dia midika hoe manidina miakatra. DH: "manidina mankany aminny habakabaka"
Ny tendron'ny haram-bato no fiarovana mafin'ny voromahery mba tsy hahafahan'ny biby izay mikasa ny hihinana azy mahazo azy ireo.
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
Eto, ny teny "izy" dia manondro ilay voromahery.
"biby izay azony vonoina sy hanina"
Eto, ny "maso" dia manondo ilay voromahery. DH: "mahita azy ireo izy"
"zana-boromahery." Manampy kokoa ny filazana fa io dia aorian'ny famonoan'ilay voromahery no hisehoany. DH: "rehefa avy mamono biby ny voromahery, zana-boromahery"
"Misotro ny ràn'ny biby izay matiny"
Io andian-teny io dia manondro ny fatin'olona izay mihinjitra eny rehetra eny, fa tsy ny faty milevina ambanin'ny tany.
Azo lazaina mazava io fa izy dia tonga teny hihinana ireo fatin'olona. DH: "eny izy mba hihinana azy ireo"
1 Ary Yaveh nanohy niresaka tamin'i Joba; hoy izy hoe: 2 "Tokony hanandrana hanitsy ny Tsitoha ve ny olona manam-paniriana hitsikera? Izy izay mifandahatra amin'Andriamanitra, dia aoka izy hamaly." 3 Dia namaly an'i Yaveh Joba ka nanao hoe: 4 "Indro, tsy misy dikany aho; ahoana no hamaliako Anao? Apetrako amin'ny vavako ny tanako. 5 Niteny indray mandeha aho, ary tsy hamaly intsony; eny, indroa, fa tsy hanohy mihoatra an'izay aho." 6 Dia namaly an'i Joba tamin'ny tafio-drivotra masiaka Yaveh ka niteny hoe: 7 "Ampisikino tahaka ny lehilahy ny valahanao, fa hametra-panontaniana aminao Aho, dia tsy maintsy mamaly Ahy ianao. 8 Moa hilaza tokoa ve ianao fa tsy marina Aho? Hanameloka Ahy ve ianao mba hitenenanao hoe marina ianao? 9 Mana-tsandry tahaka ny an'Andriamanitra ve ianao? Mahay mampikotrokotro-peo tahaka Azy ve ianao? 10 Tafio voninahitra sy fahamendrehana ny tenanao; mihaingoa haja sy fahalehibeazana. 11 Ampielezo amin'ny manodidina ny fihoaran'ny fahatezeranao; jereo ireo rehetra mirehareha ary ahetreo izy. 12 Jereo ireo rehetra izay mirehareha ary ahetreo izy; hitsaho ambany eo amin'izay itsanganan'izy ireo ny olona ratsy fanahy. 13 Aleveno hiaraka eo amin'ny tany izy rehetra; gadrao any amin'ilay toerana miafina ny tavan'izy ireo. 14 Dia hanaiky ny momba anao koa Aho fa ny tananao an-kavanana ihany dia afaka mamonjy anao. 15 Jereo ary ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany; mihinana ahitra tahaka ny omby izy. 16 Indro, eo amin'ny valahany ny heriny; eo amin'ireo hozatry ny kibony ny tanjany. 17 Manao ny rambony tahaka ny sedera izy; ny ozatry ny feny rehetra dia mitambatra. 18 Ny taolany dia tahaka ny fantsona varahina; ny tongony dia tahaka ny bara vy. 19 Izy no lehibe amin'ny zava-boaarin'Andriamanitra. Andriamanitra irery ihany, izay nanao azy, no afaka mandresy azy. 20 Fa ireo havoana manome sakafo azy; ireo bibi-dia eny an-tsaha dia milalao eo akaiky eo. 21 Mipetraka ao ambanin'ny voahirana, ao anaty volotara izy, ao anaty lakan-drano izy. 22 Ireo voahirana dia mandrakotra azy amin'ny alokalony; ireo hazomalahelon'ny lohasahan-driaka dia manodidina azy avokoa. 23 Indro, raha tondraka ny moron'ny renirano, dia tsy hangovitra izy; mahatoky izy, na dia hisamboaravoara hatreny ambonin'ny orony aza Jordana. 24 Moa misy mahasambotra azy amin'ny farango ve, na mmahatsindrona ny orony amin'ny fandrika?
Manomboka miteny mafy an'i Joba amin'ny alalan'nhy fametrahana fanontaniana indray i Yaveh.
Miteny mafy an'i Joba i Yaveh. Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "tsy misy amin'ireo izay maniry hanakihana ahy ka hanandrana hifandahatra amiko, satria Izaho no Andrimanitra Tsitoha." na "Ianao, izay olona maniry ny hitsikera Ahy, Andriamanitra Tsitoha, dia tsy tokona hanadrana hanitsy Ahy ianao."
Yaveh dia miresaka an'i Joba toy ny hoe misy olona roa hafa mampatsiahy an'i Joba tsy misy olona tokony hifandahatra amin'Andriamanitra. DH: "Maniry ny hifandahatra amin'Andriamanitra ianao, ka valio ary aho."
"eny tokoa," Ny teny "indro" eto dia manampy ny fanamafisana izay mararaka.
"tsy manan-danja aho"
Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hialany tsiny ny amin'ny nanontaniany an'Andriamanitra.
Ny lehilahy mamoritra ny akanjo lavany hatreo amin'ny hetra na fehin-kibony dia miomana ho amin'ny asa mafy mila herim-batana, ary Joba kosa dia niomana ny amin'ny ady mafy ny amin'ny hamaliana an'Andriamanitra. Adikao tahaka ny ao amin'ny 38:1.
Manomboka miteny mafy an'i Joba amin'ny alalan'nhy fametrahana fanontaniana indray i Yaveh.
Ny teny "moa" dia manondro fa gaga i Yaveh ny amin'ny hilazan'i Joba fa Yaveh dia tsy marina ary tokony hieritreritra tsara i Joba ny amin'y hamaliany izany. Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "gaga Aho ny amin'ny ilazanao fa tsy marina Aho." na "tokony hieritreritra tsara ianao ny amin'ny hitenenanao fa tsy marina Aho, satria izany no lazainao."
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "manameloka Ahy ianao mba hiheveranao tena fa tsy mana-tsiny ianao."
ny "sandry" dia sarin-tenin'ny herin-tsandry. DH: "hery tahaka ny herin'Andriamanitra"
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "tsy afaka mampikotrokotroka ny feonao tahaka ny hanaovan'Andriamanitra ny Azy tokoa ianao."
"feo tahaka ny ataony." Ny nakamaroan'ny dikan-teny dia manao hoe: "feo tahaka ny feony" (Jereo ny UDB).
Ny anarana "voninahitra," "haja," "famirapiratana" dia resahina toy ny hoe lamba izay tafian'ny olona iray. Ireo dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "Ataovy be voninahitra ny tenanao; manao zavatra lehibe mba hanajan'ny olona anao sy hanomezany voninahitra anao; ataovy mihevitra ny olona fa mpanjaka lehibe ianao"
Ny anarana "fahatezerana" dia resahina toy ny hoe zavatra mihoatra noho izay tokony ho zakan'ny vata ka aparitaky ny olona iray. Io ihany koa dia sarin-tenin'ny fihetsiky ny olona iray rehefa tezitra. Mety hilainao ny filazana mazava ny antony nahatezitra ilay olona; DH: "Tezera satria mirehereha ny olona, sazio izy ireo"
"esory aminy izay zavatra mampirehereha azy"
Ny tava dia ilay olona iray manontolo mihitsy. DH: "izy ireo"
teny malefaka kokoa entina hilazana ny toerana izay halehan'ny fanahin'ny olona rehefa maty.
Biby an-drano lehibe, mety ho hipopotama (jereo ny UDB)
behemota mihinana
Ny omby sy ny behemoyta bdia samy mihinana ahitra.
Ireo andian-teny roa ireo dia samy milaza faritra mitovy eo amin'ny vatana.
Ny sedera dia hazo tena mafy, ary ny rantsany dia miha mafy.
Eto, ny taolany dia ampitahaina amin'ny fantsona vita tamin'ny varahina mba hanehoana ny hasarotan'io biby io.
Io fampitahana farany io dia manoritsoritra ny tanjak'io biby lehibe io.
"zava-boaary manan-danja indrindra" na "zava-boaary matanjaka indrindra"
Yaveh dia miresaka Azy toy ny hoe olona hafa. DH: "ny zava-boaariko. Izaho, Andriamanitra irery ihany.
Ny mpanoratra dia miresaka ny mahakasika ny havoana ho toy ny hoe olona afaka manome sakafo azy. DH: "sakafo maniry eny amin'ny havoana mba ho azy ireo"
Voninkazo izay maniry eny ambony rano eny amin'ny faritra misy honahona.
Ahitra lava hita eny amin'ny honahona na lakan-drano.
Voninkazo izay maniry eny ambony rano eny amin'ny faritra misy honahona. Adikao tahaka ny ao amin'ny 40:19.
Ny hazomalahelo dia hazo lehibe izay maniry eny amin'ny tany mando. Raha tsy fanatatra any amin'ny kolotsainao izany dia azona atao ny mampiasa karazan-kazo amin'ny ankapobeny izany maniry eny amin'ny tany mando na amoron-drano.
sisin'ny renirano
"na dia tonga hatreny miakatra hatreny amin'ny orony aza"
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Fantatrao fa tsy misy mahasambotra azy amin'ny farango na mahatsindrona ny orony amin'ny fandrika"
1 Afaka misintona Leviatana amin'ny fintana ve ianao? Na mamatotra ireo valanoranony amin'ny tady? 2 Afaka manisy tady eo amin'ny orony ve ianao, na manindrona ny valanoranony amin'ny alalan'ny fitana? 3 Hitalao fatratra aminao ve izy? Hanao teny malefaka aminao ve izy? 4 Hanao fifanekena aminao ve izy, fa tokony ho alainao ho mpanompo mandrakizay izy? 5 Hilalao hiaraka aminy toy ny hiarahanao amin'ny vorona ve ianao? Hamatotra azy ho an'ny mpanomponao vavy ve ianao? 6 Hiady varotra ny aminy ve ireo vondron'ny mpanarato? Hifampizaran'izy ireo mba hamidy amin'ireo mpivarotra ve izy? 7 Mahavita mandefona ny hodiny amin'ny fitaovam-pihazana ve ianao na ny lohany amin'ny lelam-pitana? 8 Apetaho eo aminy indray mandeha ny tananao, ary ho tsaroanao ny ady ary tsy hanao izany intsony ianao. 9 Indro, ny fanantenan'ny olona izay manao izany dia lainga; moa ve tsy hisy olona hianjera amin'ny tany nohon'ny fahitana azy fotsiny ihany? 10 Tsy misy olona feno hatezerana ka sahy hihantsy Leviatana; koa, iza ary no afaka mitsangana eo anatrehako? 11 Iza no nanome zavatra Ahy voalohany mba hanefako azy? Izay rehetra ambanin'ny lanitra manontolo dia Ahy. 12 Tsy hangina aho mahakasika ny tongotry ny Leviatana, na ihany koa ny zavatra mahakasika ny heriny, na mahakasika ny hatsaran'ny bikany. 13 Iza no afaka manala ireo fitafiny ivelany? Iza no afaka miditra ny fiarovany misosona? 14 Iza no afaka manokatra ireo varavaran'ny tavany— voahodidina ireo nifiny, izay horohoro? 15 Ny lamosiny dia vita amin'ireo ampinga misosona, mifanery toy ny fihidin'ny tombo-kase. 16 Ny iray dia tena mifanakaiky amin'ny iray hafa hany ka tsy misy rivotra afaka miditra eo anelanelan'izy ireo. 17 Mifandray izy ireo; mifampiraikitra, izany dia mba tsy hahafahan'izy ireo hisaraka. 18 Ny hazavana mitaratra avy amin'ny fierony; ny masony dia tahaka ireo hodimason'ny vao mangiran-dratsy. 19 Ary fanilo mirehitra no mivoaka ny vavany, miparitaka ny pitik'afo. 20 Ny vavoriny dia mivoka setroka toy ny zavatra mangotraka ao anaty vilany eo ambony afo izay nokopahana ho tena mahamay. 21 Ny fofon'ainy dia mampirehitra ny vain'afo ho tonga afo; afo no mivoaka avy ao amin'ny vavany. 22 Ao amin'ny vozony ny hery; ary ny horohoro dia mandihy eo anoloany. 23 Mikambana ny fivalonan'ireo nofony; mafy orina eo aminy ireo; tsy afaka ahetsika ireo. 24 Ny fony dia mafy toy ny vato— eny tokoa, mafy toy ny fikosoham-bary. 25 Rehefa manandratra ny tenany Izy, na ireo andriamanitra aza ho raiki-tahotra; nohon'ny tahotra, dia mihemotra izy ireo. 26 Raha mamely azy ny sabatra iray, dia tsy misy dikany izany— na ny lefona, tsipìka, na fitaovam-piadiana maranitra hafa. 27 Mieritreritra izy fa tahaka ny mololo ny vy, ary tahaka ny hazo lò ny varahina. 28 Ny tsipìka dia tsy afaka mampandositra azy; tonga akofa aminy ireo vaton'ny antsamotady. 29 Ataony tahaka ny mololo ireo langilangy; mihomehy amin'ny firaondraonana amin'ny fanidin'ilay lefona izy. 30 Ny tapany ambany dia tahaka ireo vakim-bilany maranitra; mamela dian-kitsaka eo amin'ny fotaka izy tahaka ny kodiaram-by fikosoham-bary. 31 Ataony tahaka ny rano mangotraka anaty vilany ny lalina; ataony toy ny vilanin'ny hosotra manitra ny ranomasina. 32 Manazava izay nolalovany izy; misy mieritreritra fa fotsy volo ny lalina. 33 Ety an-tany dia tsy misy mitovy aminy, izay noforonina mba hiaina tsy misy tahotra. 34 Mahita ny zavatra rehetra izay mirehareha izy; izy no mpanjaka ambon'ireo zanaky ny fireharehana rehetra."
Manohy ny fitenenany Andriamanitra. Mampiasa fanontaniana fampisainana maro Izy mba hanandrinana an'i Joba.
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "fantatrao fa tsy afaka ny hisintona Leviatana amin'ny fitana ianao".
manainga avy ao anaty rano
ny teny "-ny" sy ny "izy" dia manondro ilay Leviatana.
Io dia fehezanteny tsy feno, kanefa ny hviny dia azo amin'ny alalan'ny foto-dresaka "Na mamatotra ireo valanoranony amin'ny tady?" Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Ary fantatrao fa tsy afaka ny hamatotra ny valanoranony amin'ny tady ianao."
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Fantatrao fa tsy afaka manisy tady ny orony ...alalan'ny fitana ianao."
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Fanatatrao fa tsy hitalaho fatratra aminao izy."
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Fanatatrao fa tsy hiteny malefaka aminao izy."
Manohy ny fitenenany mafy an'i Joba amin'ny alalan'ny fametrahana fanontaniana i Yaveh.
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "fantatrao fa tsy hanao fifanekena aminao, mba hakanao azy ho mpanompo mandrakizay izy"
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "fantatrao fa tsy afaka hilalao miaraka aminy tahaka ny hiarahanao milalao ami'ny vorona ianao."
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "fantatrao fa tsy afaka hamatotra azy ho an'ny mpanompo vavinao ianao."
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "fantatrao fa tsy hiady varotra ny aminy ireo vondron'ny mpanarato."
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "fantatrao fa tsy hifampizara azy mba hamidy amin'ireo mpivarotra izy ireo."
"hifampizaran'ireo vondron'ny mpanarato ve izy"
Manohy ny fitenenany mafy an'i Joba amin'ny alalan'ny fametrahana fanontaniana i Yaveh.
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "fantatrao fa tsy afaka manindrona ny hodiny amin'ny fitaovam-pihazanao, na manindrona ny lohany amin'ny lelam-pitana ianao
Lefona lava misy tendro vy izay ampiasain'ny olona mba hihazana biby an-dranomasina lehibe
"mifantoha amin'ny zavatra manan-danja izay holazaiko"
Io filazana zavatra amin'ny ankapobeny io dia azo adika ho fanambarana. Ny teny "amin'ny fahitana azy" dia ny antony hianjeran'ilay olona amin' ny tany; dia sarin-tenin'ny olona raiki-tahotra sy ny olona mianjera amin'ny tany. DH: "Izay mijery azy dia dia hatahotra ka hianjera amin'ny tany"
Manohy ny fitenenany mafy an'i Joba amin'ny alalan'ny fametrahana fanontaniana i Yaveh.
Mora kokoa ny mihantsy leviatana noho ny mijoro eo anatrehan'i Yaveh. Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "satria fantatrao fa tsy misy olona tezitra mafy ka hihantsy Leviatana, ary tokony ho fantatrao tsara fa tsy misy olona sahy mijoro eto anatrehako."
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "fantatrao fa tsy misy olona nanome zavatra Ahy, tsy misy olona mila hefaiko noho izany."
DH: "hiteny tokoa aho"
Azonao atao ny manampy ny teny voatelina. DH: "ny tongony. ary hiteny mahakasika ny heriny ihany koa aho"
Azonao atao ny manampy ny teny voatelina. DH: "ny heriny. Hiteny mahakasika ny hatsaram-bikany ihany koa Aho"
Manohy ny fitenenanny mafy an'i Joba alalan'ny fametrahana fanontaniana i Yaveh.
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "tsy misy afaka manala ny fitafiany ivelany."
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy misy afaka miditra amin'ny fiarovana mateviny."
Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy misy afaka mandrovitra ny valanoranony ...horohoro."
Ny apinga sy ny lamosin'ny Leviatana dia samy fiarovana tsara ary samy miaro amin'ny zana-tsipìka sy ny fitaovam-piadiana avokoa.
Io dia midika fa ireo "apinga" dia tena mifanakaiky ary tsy misy zavatra miditra eo anelanelany.
ny apinga iray laharana (41:13) dia tena mifanakaiky.
Ny teny "izy ireo" sy ny "azy ireo" dia manondro ireo laharan'apinga (41:13).
DH: "tsy misy afaka manasaka azy ireo"
"rehetra mierona izy." Ny fierony dia erotra. Ny mety ho dikany hafa dia "amin'ny fihevonany" na "rehefa mihevona izy."
Ny masony dia mena tahaka ny vao mangiran-dratsy.
"Mivoaka avy ao am-bavany ny fanilo mirehitra, miparitaka avy ao am-bavany ny pitik'afo." Andriamanitra dia maneho hevitra mitovy amin'ny alalan'ny fomba roa samihafa mba hanamafisany ny endrika mampatahotry ny Leviatana.
Na ny setroka na ny zavatra mangotraka dia samy tena mahamay.
Ireo lavak'orona roa.
"mahatonga ny vain'afo hamoaka lel'afo"
Leviatana
Ny anarana "horohoro" dia azo adika amin'ny matoanteny "mihorohoro," DH: "Miorohoro ny olona rehefa mahita ny fihaviny.
DH: "tsy misy afaka manetsika ireo"
Ny vato dia tsy miova sy tsy miha-malemy. Ireo mety ho heviny dia 1) ny tratran'ny leviatana sy ny zavatra ao anatiny dia mafy na 2) Tsy matahotra na inona na inona ny Leviatana na 3) Ny Leviatana dia resahina toy ny hoe olona mamono izay tsy mitsitsy mihitsy.
Vato roa lehibe sy mafy ampiasaina mba hitotoana vary. Mety ho izay vato mafy hitan'ny olona izany. "ny vato mafy indrindra"
Ny mety ho heviny hafa dia "ireo olona mahery" na "ireo olona tena matanjaka" (jereo ny UDB).
"Mihevitra ny fitaovam-piadiana vita amin'ny vy toy ny fitaovam-piadiana vita amin'ny mololo izy" Ny mololo dia .
"Mihevitra ny fitaovam-piadiana vita amin'ny vy toy ny fitaovam-piadiana vita amin'ny hazo lò izy" Ny hazo lò dia tsy ho tafiditra amin'ny lamosiny, ary ny fitraovam-piadiana varahina dia tsy tafiditra amin'ny lamosiny.
Ny akofa sy ny atsamotady dia tsy mahavita mandratra azy.
Ny langilangy vita amin'ny mololo sy vita amin'ny hazo dia tsy mahavita mandratra azy. DH: "mihevitra ny langilangy ho toy ny mololo izy"
Ny olona dia mitoraka ny leviatana amin'ny lefona mba hahafaty azy, kanefa ny mpanoratra dia miresaka ny Leviatana toy ny hoe mahalala fa tsy hahavoa azy ilay lefona ary mihomehy izy.
Ny kodiaram-by fikosoham-bary dia hita amin'y fikosoham-bary ary mihodina mba hahapotika ny vary, ary ny diany dia mamela soritra eo amin'ny tany toy ny hoe karamaina sy mandeha.
"rehefa mandalo amin'ny rano izy, dia mamela vorin-drano izay avy lalovany, tahaka ny rano mangotraka ao anaty vilany"
Ny hosotra manitra ao anaty vilany dia miforetaka rehefa misy manontsana izany, ary mamotaka ihany koa ny ranomasina rehefa ilomanosan'ny Leviatana.
Satria ny roatra amin'izay avy lalovany dia fotsy.
"Tsy misy zava-boaary hafa mitovy amin'ny leviatana"
"tena mirehareha tokoa izy"
Ny Leviatana dia resahina toy ny hoe olona izay afaka ny hirehareha sy lasa mpanjaka. DH: "Manana ny antom-pireharehana maro noho ny olona hafa eto ambony tany ny Leviatana"
1 Dia namaly an'i Yaveh i Joba ka niteny hoe: 2 "Haiko fa hainao hatao ny zavatra rehetra, fa tsy hay sakanana ny tanjonao. 3 'Iza izao manafina fikasana tsy amin'ny fahalalana izao?' Eny tokoa, nanambara zavatra izay tsy takatro aho, zavatra saro-takarina loatra ho ahy, izay tsy mba fantatro. 4 Hoy Ianao tamiko hoe: 'Mihainoa, ankehitriny, ary hiteny Aho; hanontany zavatra aminao Aho, ary hilaza Amiko ianao.' 5 Nandre ny momba Anao tamin'ny siosion-dresaka aho, fa ankehitriny dia mahita Anao ny masoko. 6 Koa manamavo ny tenako aho; mibebaka amin'ny vovoka sy lavenona aho." 7 Ary rehefa avy niteny ireo teny ireo tamin'i Joba Izy, dia hoy Yaveh tamin'i Elifaza ilay Temanita hoe: "Mirehitra aminao sy amin'ireo namanao roa ny fahavinirako, fa tsy nilaza ny marina momba Ahy ianareo, tahaka ny nataon'i Joba mpanompoko. 8 Ankehitriny ary, makà omby lahy fito sy ondry lahy fito ho an'ny tenanareo, dia mandehana any amin'i Joba mpanompoko, ka manolora fanatitra dorana ho an'ny tenanareo. Hivavaka ho anareo i Joba mpanompoko, dia hanaiky ny fivavany Aho, mba tsy hamaliako anareo araka ny fahadalanareo. Tsy nilaza izay marina momba Ahy, tahaka ny nataon'i Joba mpanompoko ianareo." 9 Koa dia nandeha ary nanao araka izay nandidian'i Yaveh azy ireo i Elifaza ilay Temanita, i Bildada ilay Sohita, ary i Zofara ilay Namatita, ary Yaveh nanaiky an'i Joba. 10 Rehefa nivavaka ho an'ireo namany i Joba, dia naverin'Andriamanitra tamin'ny laoniny ny hareny. Nomen'i Yaveh avo roa heny mihoatra izay nananany teo aloha izy. 11 Dia nandeha tany aminy ireo rahalahin'i Joba rehetra, ireo anabaviny rehetra, ary ireo olom-pantany teo aloha— ary nisakafo niaraka taminy tao an-tranony. Niara-ory taminy izy ireo ary nampionona azy ny amin'ireo loza rehetra izay nalefan'i Yaveh taminy. Samy nanome volafotsy madinika sy peratra volamena an'i Joba avokoa ny olon-drehetra. 12 Nitahy ny andro farany niainan'i Joba mihoatra noho ny tamin'ny voalohany Yaveh; nanana ondry efatra arivo sy iray alina izy, rameva enina arivo, andian'omby arivo, ary boriky vavy arivo. 13 Nanan-janaka lahy fito sy zanaka vavy telo ihany koa izy. 14 Nantsoiny hoe Jemima ilay vavimatoa, Kezia ilay faharoa, ary ny fahatelo dia Kerena-hapoka. 15 Tsy nisy vehivavy hita ho tsara mihoatra an'ireo zanaka vavin'i Joba teo amin'ny tany rehetra. Nanome lova ho azy ireo mbamin'ireo anadahiny ny rain'izy ireo. 16 Taorian'izany, dia niaina 140 taona i Joba; nahita ireo zanany sy ireo zafiny izy, hatramin'ny taranaka efatra nifandimby. 17 Avy eo dia maty i Joba, raha antitra sy voky andro.
Azonao atao ny mamerina nhy teny "fantatro." DH: "Fantatro fa afaka manao ny zava-drehetra ianao. Fantatro fa tsy misy azo sakanana ny tanjonao."
DH: "Tsy misy mahasakana ny fikasanao"
Ny ankamaroan'ny dikan-teny vaovao dia manaiky fa adinon'i Joba ny nilaza ny tenin'Andriamanitra nanomboka tao amin'ny 38:1. Noho izay dia azon'ny mpandika teny atao ny manapa-kevitra, tahaka ny ao amin'ny UDB, mba hanazavana fa nanontany an'i Joba io fanontaniana io Andriamanitra izay tsaroan'i Joba izany ankehitriny. DH: "hoy Ianao tamiko hoe: 'iza izao olona tsy manam-pahalalana izao, kanefa sahy manafina ny fikasako amin'ny olona?'" Na, "hoy Ianao tamiko hoe: 'tsy manam-pahalalana ianao; ka tsy tokony hilaza lainga mahakasika ny fikasako.'"
Izany dia fanafenana na filazana lainga ny fikasana sy ny torohevitr'Andriamanitra.
Ny mpamaky dia tsy tokony hihevitra io fa tena mahita maso an'i Yaveh ara-bakiteny i Joba. Ny fahitana amin'ny maso dia sarin-tenin'ny fahatakarana. DH: "fa azoko tanteraka ankehitriny."
Ny tenan'i Joba dia sarin-tenin'izay nolazainy. DH: "Manamavo izay zavatra nolazaiko aho"
"miha mankahala" na "tsy faly amin'ny"
Tsy mazava raha tena nipetraka tao anaty lavenona sy vovoka na nihosina izany marina i Joba. Io dia mety ho sarin-tenin'ny fialan-tsiny noho ny fahotana. DH: "mifona tanteraka ny amin'ny fahotako aho ka ao anaty vovoka sy lavenona no tokony hipetrahako"
Io andian-teny io dia ampiasaina eto mba hanamarihana tranga manan-danja ao amin'ny tanatra. Raha misy fomba hafa hitenenana izany amin'ny fiteninao, dia azona heverina ny fampiasana izany eto.
Adikao tahaka ny ao amin'ny 2:11 io anaran-dehilahy io.
Ny afo dia sarin-tenin'ny fahatezerana ary ny fandrehetana afo dia sarin-tenin'ny miha-tezitra. DH: "Miha-tezitra aminao Aho"
"omby lahy 7"
Ny anarana "fahadalana" dia azo adika amin'ny mpamaritra. DH: "na dia efa adala aza ianareo, sy mendrika ny hosaziako mafy, kanefa tsy hanao izany Aho"
Adikao tahaka ny ao amin'ny 2:11 io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny ao amin'ny 2:11 io anaran-dehilahy io.
Ny olona dia sarin-tenin'ny vavaka ataony. DH: "Andriamanitra dia nanaiky ny vavak'i Joba ny amin'ireo namany telo.
Azonao tovanana ny teny voatelina. DH: "mihoatra noho ny fiainany tany aloha"
Rameva 6.000.
Andian'omby 1.000.
zanaka lahy 7 sy zanaka vavy 3
anaram-behivavy ireo
"tsara tarehy mihoatra noho ireo vehivavy hafa rehetra ireo zanaka vavin'iJoba"
Ny teny "voky andro" dia mitovy hevitra amin'ny "antitra" amin'ny ankapobeny. Ireo andian-teny roa ireo dia lasa fomba fiteny mahazatra. DH: "lehilahy tena antitra."
1 Sambatra ny olona izay tsy manaraka ny torohevitr'ireo ratsy fanahy, na mitsangana amin'ny lalana miaraka amin'ireo mpanota, na mipetraka eo amin'ireo mpaneso. 2 Fa ao amin'ny Yaveh no sitrany, ary amin'ny lalàny izy no misaintsaina andro sy alina. 3 Ho tahaka ny hazo nambolena tamin'ny riakan'ny rano izay mamokatra ireo voany amin'ny vanim-potoany, izay tsy malazo ravina izy, izay rehetra hataony dia ho ambinina. 4 Ireo ratsy fanahy dia tsy izany, fa kosa tahaka ny akofa izay entin'ny rivotra. 5 Ka tsy hitsangana ho ao amin'ny fitsarana ireo ratsy fanahy, na ireo mpanota ho ao amin'ny vondron'ireo marina. 6 Fa i Yaveh dia manaiky ny lalan'ireo marina, fa ny lalan'ireo ratsy fanahy kosa dia ho levona.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tononkalo Hebreo.
Ny "torohevitr'ireo ratsy fanahy" dia voalaza ho toy ny hoe lalana arahana. DH: "izay tsy manaraka ny torohevitr'ireo ratsy fanahy"
Ny fipetrahana miaraka amin'ny olona izay maneso an'Andriamanitra dia mampiseho fiarahana amin'ny olona maneso an'Andriamanitra. DH: "na miaraka amin'ireo izay maneso an'Andriamanitra" na "na maneso an'Andriamanitra miaraka amin'ny olona hafa izay maneso Azy"
"fahafam-po" na "hafaliana"
Ity no anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoakany ao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejin'ny fandikan-teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba handikana izany
Ity andalan-teny ity dia manolotra kisarisary mamelabelatra olo-marina iray izay heverina ho toy ny hazo mamokatra.
Ao amin'ny Baiboly, matetika ny olona dia lazaina ho toy ny hazo. Ny olona izay mankamamy ao amin'ny lalàn'i Yaveh dia mahazo manao izay rehetra tian'Andriamanitra hataon'izy ireo tahaka ny hazo izay nambolena amoron'ny rano mamoa voa tsara. DH: "Ho ambinina tahaka ny hazo izy ... voany amin'ny fotoany"
Ny hazo izay ambolena eo akaikin'ny ranomandeha dia mahazo rano tsara mba ho salama.
Ny hazo salama dia mamokatra voa tsara amin'ny fotoana mety
Rehefa mahazo rano tsara ny hazo iray, dia tsy mba maina na ho faty
"Hahomby foana izy amin'izay rehetra ataony"
Ny maha tsy toy izany azy ireo dia azo lazaina mazava. "Tsy hahomby ny ratsy fanahy" na "Tsy ambinina ny ratsy fanahy"
Ny maha tahaka ny akofa azy ireo dia azo lazaina mazava. DH: "fa kosa izy ireo dia tsy misy dikany tahaka ny akofa"
Ho tafavoaka velona rehefa mitsara Andriamanitra dia lazaina hoe "hahatsangana." DH: "tsy ho tafavoaka velona rehefa mitsara azy ireo Andriamanitra" na "Ho melohina rehefa mitsara azy ireo Andriamanitra"
Ny mpandika teny dia mahazo manampy ny matoateny "mitsangana." DH: "na ny mpanota hitsangana ao amin'ny fiangonana"
Ny ankahasitrahan'Andriamanitra ho olo-marina dia lazaina ho mijoro miaraka amin'ny vondron'ny olo-marina. DH: "ary Andriamanitra tsy hankasitraka ny mpanota hiaraka amin'ny olo-marina"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mampitaha izay hahazo ny olona tsara fanahy sy izay hitranga amin'ny olona ratsy fanahy
Ny fomba fiainan'ny olona dia lazaina ho tahaka ny "lalana" na "arabe" izay diavin'izy ireo. DH: "ny fomba haveloman'ny olo-marina"
Eto ny "lalana" dia midika ny ratsy fanahy, izay heverina hoe mandeha amin'ny lalana. DH: "Ho ringana ny olona ratsy fanahy nohon'ny fombany" na "ho faty ny olona ratsy fanahy nohon'ny fomba fiainan'izy ireo"
1 Nahoana ny firenena no ao anaty korontana, ary nahoana ny olona no manao teti-dratsy izay tsy hahomby? 2 Miara-mitsangana ireo mpanjakan'ny tany ary miara-mioko manohitra an'i Yaveh sy ny Mesiany ireo mpanapaka, manao hoe: 3 "Aoka isika hamiravira ireo rojo vy izay apetrany eto amintsika ary hanipy ireo rojon'izy ireo." 4 Izy izay mipetraka any an-danitra hihomehy azy ireo; haneso azy ireo ny Tompo. 5 Avy eo dia hiteny amin'izy ireo amin'ny fahatezerany izy ary hampihorohoro azy ireo amin'ny fahavinirany, manao hoe: 6 Izaho tenako no manendry ny mpanjakako ao Ziona, tendrombohitro masina." 7 Hanambara lalàn'i Yaveh iray aho. Hoy Izy tamiko: "Zanako ianao! Amin'ity andro ity dia tonga rainao Aho." 8 Hangataho Aho, dia homeko anao ho lovanao ireo firenena ary ho fanananao ireo faritra lavitra indrindran'ny tany. 9 Hovakinao amin'nytehim-by, tahaka ny siny ireo, hamotipotika ireo ianao." 10 Koa ankehitriny, ry mpanjaka, mitandrema; mahitsy; ry mpanapaky ny tany. 11 Miderà an'i Yaveh amin-tahotra ary mifalia amin'ny fangovitana. 12 Orohy ny zanaka sao ho tezitra aminao izy, ka ho faty amin'ny lalan'ny firehetan'ny hatezerany mandritra ny fotoana fohy ianao. Sambatra ireo rehetra izay mitady fialofana ao Aminy.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo
Ireo fehezanteny roa ireo dia manana dika mitovy, ary ny "firenena" sy "olona" dia manondro vondron'olona mitovy. Ny teny hoe "firenena" sy "olona" dia mety maneho ireo mpanapaka azy ireo. DH: "nahoana ireo mpitarika ny firenena no ao anaty korontana sy manao teti-dratsy tsy hahomby akory?"
Ireo fanontaniana ireo dia ampiasaina hanehoana fahatairana tampoka amin'ny olona manao zavatra diso na adala. DH: "Ao anaty korontana ny firenena ary manao teti-dratsy tsy mahomby ny olona."
Mety ho midika izany fa nanakoako mafy ireo firenena ary nanao tabataba tamim-pahatezerana.
Ireo dia mety hoe teti-dratsy amin'Andriamanitra sy ireo olony.
manana dika mitovy ireo andian-teny roa ireo
"mitambatra hiady" na "mikambana sy miomana hikomy"
Ny olon'ireo firenena hafa dia miresaka momba an'i Yaveh sy ny fanapahan'ilay Mesia eo amin'izy ireo ho tahaka ny rojo vy. DH: "Tokony hanafaka ny tenantsika eo ambany fahefan'izy ireo isika; tsy tokony hamela azy ireo hanapaka eo amintsika intsony isika!" (UDB)
Ireo andian-teny ireo dia manondro an'i Yaveh. Yaveh dia antsoina matetika hoe "ny Tompo" nefa samihafa ny teny hoe "Yaveh" sy "ny Tompo."
Eto ny mipetraka dia mampiseho fanapahana. Ny zavatra ipetrahany dia azo lazaina mazava. DH: "manapaka any an-danitra" na "mipetraka eo ambony seza fiandrianana any an-danitra" (UDB)
"haneso ireny olona ireny ny Tompo." Ny antony hanesoany azy ireo dia azo lazaina mazava. DH: "Ny Tompo maneso azy ireo nohon'ny teti-dratsy fahadalan'izy ireo"
"fahavinirana" dia mety manondro ho tezitra faran-tampony na sosotra loatra.
"mandrahona"
Yaveh manamafy fa Izy, ary tsy olon-kafa, no efa nanosotra ny mpanjakany.
"nanendry ny mpanjakako hanapaka"
Ny olona resahana eto dia ny mpanjaka. Azo lazaina mazava tsara izany. DH: "Ny mpanjaka miteny hoe 'Hanambara lalàn'i Yaveh iray aho'"
"Yaveh niteny tamiko"
Amin'ny olona marobe eto amin'ny faritry ny tany dia, afaka manapakevitra ny olona raha hanangana anaka ara-panjakana, mba ho mpandovany. Eto Yaveh manangana lehilahy iray ary manao azy ho mpanjakan'Israely. DH: "Hanao anao ho zanako Aho. Amin'ity anio ity ianao dia ho zanako ary Izaho kosa rainao."
Yaveh manohy miteny amin'ny mpanjakan'Israely vaovao.
Milaza hevitra tena mitovy ireo andian-teny ireo.
"ireo tany izay lavitra indrindra"
Milaza hevitra tena mitovy ireo andian-teny ireo.
Ny fandresena ireo firenena dia lazaina ihany koa ho famotehina azy ireo, ary ny fahefany dia lazaina ho tahaka ny tehina vy. DH: "Handresy azy ireo tanteraka ianao amin'ny alalan'ny fahefanao"
Ny famotehana ireo firenena dia lazaina ho tahaka ny hoe azo vakivakiana toy ny siny tany izy ireo. DH: "Hamotika azy ireo tanteraka toy ny siny tany ianao"
Ny mpanao vilany dia olona mpanao vilany tany sy siny. Izany dia mora vaky sy azo vakiana mora foana. DH: "siny tanimanga" na "vilany tanimanga"
Ireo andian-teny roa ireo dia manana dikany mitovitovy. DH: "Koa ankehitriny, ianareo ry mpanjaka sy mpanapaky ny tany, meteza ampitandremana sy ahitsy"
Azo atao tso-drafitra izany. DH: "henoy izay fampitandremana izao" na "Hendre"
Azo atao tso-drafitra izany. DH: "henoy izao fanitsiana izao" na "raiso izao fanitsiana izao"
Mampiseho amin'ny mpanjaka ny vahoaka fa tsy nivadika taminy izy ireo amin'ny alalan'ny fanorohana azy, angamba eo amin'ny tongotra. DH: "Mampisehoa amin'ny zanaka lahy fa tsy mivadika aminy marina ianao" na "Miankohofa amim-panetretena anatrehan'ny zanaka"
Mety manondro izany fa ho faty any mihitsy ianao, mialohan'ny hahazoan'ny olona anjara hitsoaka. DH: "Ho faty eo noho eo ianao"
Ny hatezeran'ny mpanjaka dia azo lazaina koa ho tahaka ny afo izay afaka mandoro. DH: "rehefa miova tampoka ho tezitra izy"
Ny fangatahana fiarovana amin'ny mpanjaka dia lazaina koa hoe mitady fialofana ao aminy. DH: "mangataha amin'ny mpanjaka hiaro azy ireo"
1 Salamo nataon'i Davida, rehefa nitsoaka an'i Absaloma zanany izy. Ry Yaveh, firy ireo fahavaloko! Maro no nitsangana nanohitra ahy. 2 Maro no milaza momba ahy hoe: "Tsy misy fanampiana ho azy avy any amin'Andriamanitra. Sela 3 Fa Ianao, ry Yaveh, dia fiarovana manodidina ahy, voninahitro, ary ilay iray izay manandratra ny lohako. 4 Manandratra ny feoko amin'i Yaveh aho, ary mamaly ahy avy any amin'ny havoany masina Izy. Sela 5 Nandry aho ary natory; nifoha aho, satria i Yaveh miaro ahy. 6 Tsy hatahotra olona maro izay mampanohitra ny tenan'izy ireo amiko amin'ny zohy rehetra aho. 7 Mitsangàna, ry Yaveh! Vonjeo aho, ry Andriamanitro! Fa hamely ireo fahavalo rehetra amin'ny takolaka Ianao; hamaky ny nifin'ireo ratsy fanahy Ianao. 8 Avy amin'i Yaveh ny famonjena. Ho amin'ny olonao anie ireo fitahianao. Sela
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ity fehezanteny ity dia maneho ny fihetseham-pon'i Davida amin'ny fatahorany ireo fahavalony. DH: "Yaveh o, manam-pahavalo betsaka aho!"
Ny fiadiana amin'ny olona iray dia lazaina ihany koa hoe mitsangana hanohitra azy. DH: "tonga hanohitra ahy"
Ity dia mety ho fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany.
Ny ampinga no miaro ny miaramila. Davida miteny toy ny hoe Andriamanitra no ampinga miaro azy. DH: "Ianao. ry Yaveh o, no miaro ahy tahaka ny ampinga"
"Ianao no voninahitro." Amin'ny fiantsoana an'Andriamanitra hoe voninahiny, Davida milaza fa Andriamanitra ny Ilay manome azy voninahitra. Rehefa niteny momba ireo fahavalony Davida ary Andriamanitra ho Mpiaro azy, dia angamba izy te hilaza fa Andriamanitra no manome azy voninahitra amin'ny alalan'ny fanolorana azy fandresena eo amin'ireo fahavalony. DH: "Ianao ilay manome ahy voninahitra" na "Ianao ilay manome ahy fandresena"
"Ianao no Ilay mampitraka ny lohako." Ny fankaherezana olona dia lazaina toy ny hoe mampitraka ny lohany. DH: "Ilay mampahery ahy"
Ny fampiasana ny feon'olona hiantsoana mafy dia lazaina ho fanandratam-peo. DH: "Izaho miantso mafy"
Ity dia mety ho fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany.
"efa mihodidina ahy mba hamotika ahy"
Davida miteny ny fanombohana hanao zavatra ho mitsangana. DH: "Mihetseha" na "Manova zavatra"
Ireo andianteny ireo dia milaza zavatra tena mitovy. Ilay andianteny "ireo fahavaloko" sy "ireo ratsy fanahy" dia manondro vondron'olona mitovy ihany.
Izany no fomba iray haniratsirana olona. Davida dia miteny toy ny hoe Yaveh tenany mihitsy no tonga ka mamely ireo fahavalony. DH: "Fa Ianao no haniratsira ny fahavaloko rehetra tahaka ny olona mamely azy ireo eo amin'ny valanoranony"
Ny biby dia mamely amin'ny nify. Ny famakiana ny nifiny dia manala ny fahefany hamely. Davida miteny toy ny hoe Yaveh tenany mihitsy no tonga ka miady amin'ny ratsy fanahy. DH: "Hanao ny ratsy fanahy ho tsy afa-mamely ahy Ianao, tahaka ny olona mamaky ny nifin'ny biby masiaka"
Ny anarana fintina "famonjena" dia azo lazaina amin'ny matoanteny "mamonjy." DH: "Yaveh mamonjy ny olony"
Ho an'ilay mpiventy hira; amin'ny lokanga. Salamo nataon'i Davida. 1 Valio aho rehefa miantso, ry Andriamanitrin'ny fahamarinako; omeo trano aho rehefa latsaka an-katerena. Mamindrà fo amiko ary henoy ny fivavako. 2 Ry olona, mandra-pahoviana ianareo no hanova ny voninahitro ho fahafaham-baraka? Mandra-pahoviana ianareo no hitia izay ratsy sy hanaraka ny lainga? Sela. 3 Saingy fantaro fa i Yaveh dia manokana izay araka an'Andriamanitra ho Azy. Handre i Yaveh rehefa miantso Azy aho. 4 Mangovita amin-tahotra, fa aza manota! Saino ao am-ponareo eo am-pandrianareo ary aoka hangina. Sela 5 Atolory ireo soron'ny fahamarinana ary apetraho amin'i Yaveh ny fahatokianao. 6 Maro no miteny hoe: "iza no hampiseho zavatra tsara amintsika?" Ry Yaveh, asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao. 7 Nomenao hafaliana bebe kokoa mihoatra ny an'ny hafa ny foko rehefa betsaka ny vary sy ny divay vaovao. 8 Am-piadanana no handriako sy hatoriko, satria Ianao irery, ry Yaveh, no mahatonga ahy hitoetra tsy manana ahiahy.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
"Ny olona dia tokony hitendry zava-maneno misy tadiny amin'ity hira ity"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
"Mamalia ahy rehefa miantso aho" na "Ampio aho rehefa miantso"
"Andriamanitra, izay mampiseho fa olo-marina aho"
Ny hoe tandindonin-doza dia lazaina hoe ao amin'ny toerana tery. DH: "avoty aho rehefa tandindonin-doza"
Davida mihira ity ampahany ity toa azy miresaka amin'ireo fahavalony.
Davida mampiasa ity fanontaniana ity hanamavoina ireo fahavalony. DH: "Ianareo ry olona izay mamadika hatrany hatrany ny voninahitro ho henatra!"
Ny fanalam-baraka azy raha toa ka tokony hanome voninahitra azy dia lazaina ho fanaovana ny voninahiny hiova henatra. DH: "mitondra henatra ho ahy ianareo raha tokony hanome voninahitra ahy"
David mampiasa ity fanontaniana ity hanamavoina ireo fahavalony. DH: "Ianareo izay manohy mitia zavatra izay tsy misy dikany sy mitady lainga fatratra."
Ireo andianteny reo ireo dia tena mitovy dika. Zava-poana ny lainga. DH: "hitia lainga zava-poana"
"Yaveh mifidy olo-masina ho an'ny tenany"
Ny fifandraisana eo amin'ny "Mangovitra" sy "matahotra" sy izay tokony hatahoran'ny olona dia azo amabara mazava. DH: "Matahora tanteraka an'i Yaveh ka mangovita" na "Mijoroa am-pahatokiana an'i Yaveh"
"Mangozohozoa"
Ny fo dia mampiseho ny fisainan'ny olona iray. Ny fisainana lalina dia lazaina toy ny hoe misaintsaina ao am-pon'ny olona. DH: "Saino lalina"
"Manolora ny sorona marina"
Ny fahatokiana dia lzaiana toy ny hoe zavatra izay azo apetraka amina toerana iray. DH: "matokia ao amin'i Yaveh" na "matokia an'i Yaveh"
Ity fanontaniana ity dia ampiasaiana na mangataka zavatra na manambara firariana momban'ny zavatra izay tsy mbola niseho. DH: "Mampisehoa re zava-tsoa aminay" na "Mirary izahay ny mba hisy olona hampiseho azay zava-tsoa"
Ny fampisehoana zava-tsoa dia manambara fa na mitondra zava-tsoa na milaza zava-tsoa izay efa niseho. DH: "Iza no mba hitondra zava-tsoa ho anay?" na "Iza no hilaza fa nisy zava-tsoa efa niseho?"
Ny mpanoratra dia miresaka an'i Yaveh miseho amim-pankasitrahana amin'izy ireo toy ny hoe namirapiratra hazavana tamin'izy ireo ny tavan'i Yaveh. DH: "mihetseha aminay amim-pankasitrahana"
Ny fo dia mampiseho ny olona. DH: "Inao efa nanome ahy fifaliana mihoatra"
Ny fifaliana dia lazaina ho toy ny zavatra izay azo omena. DH: "Ianao no efa nanao ahy ho faly mihoatra noho ny hafa"
"Divay vaovao" dia manambara voaloboka. DH: "rehefa hijinja vokatra be dia be amin'ny vary sy voaloboka izy ireo"
Ny fiadanana dia lazaina ho toy ny toerana. DH: "Hiadana aho raha handry sy hatory" na "Tsy hatahotra ny loza aho raha handry sy hatory"
Ny teny hoe "azo antoka" sy "voaaro" amin'ny ankapobeny dia midika zavatra mitovy ary manamafy fiarovana tanteraka. DH: "mahatonga ahy voaaro tanteraka."
Ho an'ilay mpiventy hira; miaraka amin'ireo zava-maneno tsofina. Salamo nataon'i Davida. 1 Henoy ny antsoko Aminao, ry Yaveh; hevero ireo fitarainako. 2 Henoy ny feon'ny antsoko, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa Aminao aho no mivavaka. 3 Ry Yaveh, mandre ny tarainako Ianao amin'ny maraina; mitondra ny fiangaviako Aminao aho amin'ny maraina ary miandry manantena. 4 Andriamanitra tsy mankatoa ny ratsy tokoa Ianao; tsy ho vahininao ireo olon-dratsy. 5 Ny mpiavonavona dia tsy hitsangana eo amin'ny fanatrehanao; halanao ireo izay manana fitondran-tena ratsy. 6 Hamotika ireo mpandainga Ianao; Yaveh dia manao tsinontsinona ny herisetra sy ireo olona mpamitaka. 7 Fa raha ny amiko, noho ny halebiazan'ny fanekenao mahatoky, dia ho avy ao an-tranonao Aho; amim-panajana no hiankohofako manoloana ny tempolinao masina. 8 Ry Tompoko, tariho amin'ny fahamarinanao aho noho ireo fahavaloko; ataovy mahitsy manoloana ahy ny lalanao. 9 Fa tsy misy fahamarinana eo amin'ny vavan'izy ireo; ratsy ny ao anatin'izy ireo, fasana misokatra ny tendan'izy ireo; malefaka izy ireo amin'ny fiteniny. 10 Ambarao ho meloka izy ireo, ry Andriamanitra; aoka ho faharavan'izy ireo ny tetiny! Avohay amin'ireo fandikan-dalàny maro izy ireo, satria nikomy nanohitra Anao. 11 Fa aoka hifaly ireo rehetra izay mialoka Aminao; aoka izy ireo hihiaka am-pifaliana satria miaro azy ireo Ianao; aoka hifaly ao Aminao izy ireo, dia ireo izay tia ny anaranao. 12 Fa hitahy ny marina Ianao, ry Yaveh; hiodidina azy ireo amin'ny sitraka toy ny amin'ny fiarovana Ianao.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
"Ity hira ity dia tokony hampiarahana amin'ny olona mitsoka zava-maneno tsofina."
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Izany dia antso vonjy. DH: "Henoy aho raha miantso vonjy aminao ankehitriny"
Feo mora avoakan'ny olona rehefa mijaly izy
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy dika tanteraka.
"Hanao ny fangatahako aho" na "Hangataka Aminao izay zavatra ilaiko aho"
"mirary"
Koa satria Davida eto amin'ity salamo ity dia miresaka amin'Andriamanitra, noho izany dia azo ambara amin'ny hoe "Ianao" ity fehezanteny ity. DH: "Yaveh o, Ianao mankahala ny olona maherisetra sy mpamitaka" na "Yaveh o, Ianao mankahala ny olona izay manao herisetra sy mamitaka ny hafa."
Izany dia manondro ny tranon'Andriamanitra. DH: "ny tempolinao"
Davida dia milaza ny fahamarinana ho toy ny lalana ary ny fampianarana tahaka ny fitarihana. Ny andianteny hoe "ny fahamarinanao" dia midika fa Andriamanitra no marina DH: "Ampianaro ahy ny hanao ny marina tahaka ny ataonao"
Davida miteny ny fahamarinana ho tahak ny lalana. Ny lalana mahitsy dia mora hita sy mora andehanana. DH: "asehoy ahy mazava ny fomba hahavelomana amin'ny lala-marina" (UDB) na "ataovy mora ho ahy izany mba hanaovako izay marina"
Davida miresaka momba ireo fahavalony.
Ny marina eo am-bava dia maneho fitenenana am-pahamarinana. DH: "Fa izy ireo tsy mba hiteny izay marina izany mihitsy"
Ny hoe ao anaty dia maneho ny fisainana sy filàn'ny olona. DH: "ratsy ny fisainana sy filàn'izy ireo"
Ny tenda dia maneho ny lahatenin'ny olona. DH: "ny lahatenin'izy ireo" na "izay lazain'izy ireo"
Ny tendan'izy ireo dia lazaina ho toy ny fasana mivoha, vonona hidiran'ny faty ao anatiny. Ireo mety ho heviny dia 1) "Izy ireo milaza fa hamono olona" na 2)"Izay lazain'izy ireo dia mamono olona"
"Izy ireo miteny zavatra tsara momba ny olona kanefa tsy tena avy amin'ny fony izany"
Ny lela dia midika hoe izay lazain'ny olona.
"Aoka ny teti-dratsin'izy ireo hahatonga azy ireo hiatrika loza maro" na "aoka izy ireo ho tonga tsy dia misy antony nohon'ny teti-dratsiny"
fikasana hamely olona
Izany dia zavatra mahatonga ny olona hiatrika loza maro na ho very fahefana. Ny fiatrehana loza na fiovana ho tsy misy dikany dia lazaina ho toy ny fahalavoana.
Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe Fialofana, toerana iray hahafahan'ny olona ho voaaro. DH: "Aoka izay rehetra mankany aminao hitady fiarovana hifaly"
Ireo andianteny roa ireo dia maneho hevitra mitovy.
Ny mankany amin'i Yaveh hitady fiarovana dia lazaina hoe mialoka ao aminy> DH: "mankany aminao hitady fiarovana"
Ny anaran'Andriamanitra dia maneho Azy. DH: "Ireo izay tia Anao"
Ny fahitam-pitian'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe ampinga. DH: "Ianao hankasitraka azy ireny ka hiaro azy tahaka ny miaramila miaro ny tenany amin'ny ampinga" na "satria Ianao dia malemy fanahy amin'izy ireo, dia hiaro azy ireo Ianao"
Ho an'ny mpiventy hira; amin'ny lokanga, natao tamin'ny fomban'ny Al-shasheminith. Salamo nataon'i Davida. 1 Ry Yaveh, aza mibedy ahy amin'ny fahatezeranao na manafay ahy amin'ny fahaviniranao. 2 Mamindrà fo amiko, ry Yaveh, fa osa aho; sitrano aho, ry Yaveh, fa mangovitra ireo taolako. 3 Tena ory ihany koa ny fanahiko. Saingy Ianao, ry Yaveh—mandra-pahoviana no hitohizan'izany? 4 Miverena, ry Yaveh! vonjeo aho. Vonjeo nohon'ny famonjenao mahatoky aho! 5 Fa tsy misy fahatsairovana Anao any amin'ny fahafatesana. Iza no hisaotra Anao any amin'ny fiainan-tsy hita? 6 Reraky ny sentoko aho. Kotsan-dranomaso ny fandriako isak'alina; manasa ny fandriako amin'ny ranomasoko aho. 7 Lanin'alahelo ny masoko; tonga tsy manan-kery izy ireo noho ireo fahavaloko rehetra. 8 Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Yaveh efa nandre ny feon'ny fitomaniko. 9 Efa nandre ny antsoko ho an'ny famindrampo i Yaveh; Efa nandray ny vavako i Yaveh. 10 Ho menatra sy hikorontana tanteraka ny fahavaloko rehetra. Hitodika izy ireo ka ho ambanina tampoka.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
"Tokony hitendry zava-maneno misy tadiny ny olona amin'ity hira ity"
Mety manondro fomba ara-mozikaly ity
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny taolana dia maneho ny tena manontolo. Mety hoe efa nangovitra ny taolany satria narary izy na koa reraka loatra. DH: "mangovitra ny vatako manontolo"
"mihorohoro" na "manahy"
Davida mampiasa io fanontaniana io mba hampisehoana fa tsy te hitohy hahatsapa reraka sy ory intsony izy. DH: "aza avela hitohy re izao!"
Davida milaza an'Andriamanitra ho malemy fanahy aminy tahaka an'Andriamanitra miverina any aminy. DH: "Yaveh o, miverena amiko" na "Mamindrà fo amiko, ry Yaveh o"
Ireo fehezanteny roa ireo dia maneho dika mitovy ihany.
Ny fahatsiarovana midika fiderana. DH: "Fa rehefa maty ny olona, dia tsy mba hidera anao intsony"
Davida mampiasa ity fanontaniana ity mba hanamafisana fa tsy misy olona any amin'ny Fiainan-tsy hita ka hisaotra an'Andriamanitra izany. DH: "Tsy misy olona any amin'ny FIainan-tsy hita hisaotra Anao!" na "Ny maty tsy afaka hidera Anao!"
Ny fisentony midika ny fanaintaina na fahoriana izay tsapany. DH: "Reraky ny fananintainako loatra aho"
Milaza dika mitovy ireo fehezanteny roa ireo
"Mandena ny fandriako amin'ny ranomasoko aho" na "Kotsa loatra nohon'ny ranomasoko ny fandriako"
"Mandena ny fandriako amin'ny ranomasoko aho"
Ny fahaiza-mijery dia lazaina amin'ny momban'ny maso. DH: "manjavozavo ny fijeriko" na "Tsy afa-mijery mazava aho"
Ny alahelo eto dia midika fitomaniana. DH: "lanin-tomany" na "satria mitomany loatra aho"
Ireo andalana roa ireo dia manana dika mitovy.
Ny hoe vonona hanao izay nivavahan'i Davidadia lazaina toy ny hoe mandray ny fivavany. DH: "Hamaly ny fivavako Yaveh"
Mozika noforon'i Davida, izay nirainy ho an'i Yaveh mahakasika ireo tenin'i Kosa ilay Benjamita. 1 Ry Yaveh Andriamanitro, mialoka ao Aminao aho! Afaho amin'ireo izay manenjika ahy aho, ary vonjeo. 2 Raha tsy izany, hoviravirain'ireo toy ny liona aho, rovidrovitiny tsy misy olona afaka hitondra fiarovana ho ahy. 3 Ry Yaveh Andriamanitro, tsy mbola nanao izay nolazain'ireo fahavaloko ho nataoko mihintsy aho; tsy misy tsy fahamarinana eo amin'ny tanako. 4 Tsy mbola nanao ratsy tamin'iza na iza tsara fihavanana tamiko aho, na nanisy ratsy izay nanohitra ahy amin'ny tsy misy antony. 5 Raha tsy milaza ny marina aho dia aoka ny fahavaloko hanenjika ny aiko ary hisambotra izany; aoka izy hanitsaka ny vatako mbola velona amin'ny tany ary hapandry ny voninahitro amin'ny vovoka. Sela 6 Mitsangàna, ry Yaveh, amin'ny fahatezeranao; mitsangàna manoloana ny fahatezeran'ireo fahavaloko; mifohaza hanampy ahy sy hanatanteraka ny didy marina izay efa nandidianao ho azy ireo. 7 Miangona manodidina anao ireo firenena; alaivo indray ny toeranao marina eo amin'izy ireo. 8 Ry Yaveh, tsarao ireo firenena; hamarino aho, ry Yaveh, satria marina sy tsy manan-tsiny aho, ry Avo indrindra. 9 Aoka hifarana ny asa ratsin'ny ratsy fanahy. fa apetraho ireo olo-marina, ry Andriamanitra marina, izay mandinika ny fo sy ny eritreritra. 10 Avy amin'Andriamanitra ny ampingako, ilay tokana izay mamonjy ny mahitsy am-po. 11 Mpitsara marina Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra tezitra isan'andro. 12 Raha tsy mibebaka ny olona iray, handranitra ny sabany Andriamanitra ary hanomana ny tsipikany ho amin'ny ady. 13 Manomana ny fampiasana ireo fitaovam-piadina hanoherana azy Izy; ataony miredareda ireo zana-tsipikany voalambolambo. 14 Saino ny momban'izay bevohokan'ny faharatsiana, izay manao tetika handravana, izay miteraka lainga hampidi-doza. 15 Mandavaka fatsakana izy ary manalalaka izany ary latsaka ao amin'ny lavaka izay nataony izy. 16 Miverina ao an-dohany ihany ireo fikasany hanimba, satria ny herisetrany dia mikorina ao an-dohany ihany. 17 Hisaotra an'i Yaveh noho ny fahamarinany aho; hihira fiderana ho an'i Yaveh Avo Indrindra aho.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.
"Ity dia hira nosoratan'i Davida"
Ny andinteny hoe "tenin'i Kosa" dia midika izay lazainy. DH: "momba izay nolazain'i Kosa, lehilahy iray avy amin'ny foko Benjamina"
Ny mankany amin'i Yaveh mba hitady fiarovana dia lazaina toy ny hoe mialoka eo aminy. DH: "mankany aminao hitady fiarovana"
Davida milaza ny fahavalony mamely azy tahaka ny hoe mamiravira ny vatany sy mandrovirovitra izany toy ny ataon'ny liona. DH: "Hamono ahy amin-kerisetra toy ny liona mamiravira ny vatan'ny hazany ary mandrovirovitra izany izy ireo" na "Hamono ahy amin-kery izy ireo"
"ary tsy hisy olona ho afaka hamonjy ahy"
Ny tanana dia maneho izay ataon'ny olona. Ny fananana ny tsy rariny eny aminy dia midika ho fahavitana zavatra tsy rariny" na "tsy nahavita zavatra tsy rariny taman'olona aho"
Ny aina dia midika ilay olona. DH: "izaho"
"haka izany" na "hahatratra izany." Izany dia midika fisamborana azy> DH: "hisambotra ahy"
Eto ny hoe "velona ny tenako" dia maneho ny mpanoratra. DH: "omeo alalana ireo fahavaloko hamotika ahy"
Izany dia midika hoe maty sy tsy voalevona amin-kenatra.
Ny mitsangana dia midika hoe manao zavatra na mihetseha. DH: "Manaova zavatra amin'ny hatezeranao" na "Tezera amin'ireo fahavaloko ka mihetseha"
Ny fiadiana amin'ny olona dia lazaina toy ny hoe mitsangana hanohitra azy ireo. DH: "Miadia amin'ny fahatezeran'ireo fahavaloko" na "tafiho ireo fahavalokoizay tezitra amiko"
Ny fahatezeran'izy ireo dia midika ny famelezany. DH: "ny fanafihan'ireo fahavaloko" na "ireo fahavaloko izay mamely ahy"
Ny fifohazana dia midika fanombohana hanao zavatra na hihetsehana. DH: "Mihetseha" na "manaova zavatra"
"ho ahy" na "hamonjy ahy"
Eto ny teny hoe "firenena" dia midika hoe ireo tafika rehetra izay efa niangona hamely.
Ny fanapahan'ny olona dia lazaina toy ny hoe eo amin'izy ireo. Ny fitoerana masin'i Yaveh dia manondro na ny any an-danitra na ny fanapahana amin'ny ankapobeny. DH: "Anjakao avy any an-danitra eo amin'izy ireo" na "Anjakao eo amin'izy ireo"
"asehoy azy ireo fa tsy meloka aho"
"atanjaho ny olo-marina" na "ataovy ambinina ny olo-marina"
Ny fo sy Saina dia midika ny filàna sy fisainan'ny olona. DH: "Ianao izay mahalala ny anatin'ny fisainanay"
Ny teny hoe "ampinga" dia midika ny fiarovan'Andriamanitra
Ny hoe iza no mahatezitra an'Andriamanitra dia azo ambara mazava tsara. DH: "Andriamanitra izay tezitra amin'ny ratsy fanahy isan'andro"
Ao amin'ny andininy faha 12 sy 13, Davida milaza an'Andriamanitra hanapakevitra hanafay ny olona ratsy fanahy toy ny hoe Andriamanitra no mpiady mivonona hiady amin'izy ireo miaraka amin'ny fitaovam-piadiana
Davida milaza ireo zavatra izay ataon'ny olona ratsy fanahy toy ny hoe mitondra vohoka ilay olona ary faharatsiana no zaza. DH: "ny olona ratsy fanahy. Izy manao tetika hamotika olona ary mamokatra lainga mampidi-doza"
Ny fahapotehana sy herisetra dia lazaina toy ny hoe izy ireo mikapoka lohan'olona na mianjera eo amin'izany. DH: "Ireo fikasan-dratsiny ihany no mamotika azy, fa mamely azy ny herisetra ataony" na "Rehefa mikasa hanimba ny hafa izy, dia mamotika azy ny hafa; rehefa mamely ny hafa izy, dia mamely azy ny hafa"
Hisaotra an'i Yaveh noho ny fahamarinany izy
Hihira fiderana ho an'i Yaveh Avo Indrindra Davida.
Ho an'ny mpiventy hira, natao tamin'ny fomban'i Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida. 1 Ry Yaveh Andriamanitray, endrey ny hatsaran'ny anaranao eo amin'ny tany rehetra, Ianao izay maneho ny voninahitrao eny amin'ny lanitra ambony. 2 Avy amin'ny vavan'ny zazakely sy ny ankizy no efa namoronanao fiderana noho ny amin'ireo fahavalonao, mba hampanginana ny fahavalo sy ny mpamaly faty 3 Raha miandrandra ny lanitrao aho, izay nataon'ny ratsan-tananao, ny volana sy ireo kintana, izay napetrakao tamin'ny toerany, 4 inona moa ny olona no ahatsiarovana azy, na ny olombelona no hirarahianao azy ireo? 5 kanefa nataonao ambany kely noho zava-manan'aina eny any an-danitra izy ireo ary nampisatrohinao voninahitra sy haja. 6 Ataonao mpanapaka eo amin'ireo asa-tananao izy; nataonao eo ambany tongony ny zavatra rehetra: 7 ny ondry aman'osy sy ny omby, ary izay biby rehetra ao amin'ny saha, 8 ireo vorona eny amin'ny habakabaka, sy ireo trondro any an-dranomasina, ny zavatra rehetra izay mandalo eo amin'ny lalan-dranomasina. 9 Ry Yaveh Tomponay, endrey ny hatsaran'ny anaranao eo amin'ny tany rehetra!
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Mety manondro fomba ara-mozikaly izany
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny "anaran'" Andriamanitra midika ny tenany manontolo. DH: "ny olon-drehetra maneran-tany mahalala fa lehibe indrindra Ianao" (UDB)
Ny fanaovana ny zaza hidera an'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe ny fiderana dia zavatra namboarian'Andriamanitra teo am-bavan'ny zaza ka mivoaka avy ao. DH: "Ianao efa nanome ny zaza sy ny ankizy ny fahafahana midera Anao"
Ny rantsan-tanan'Andriamanitra dia maneho Azy. DH: "ny lanitra izay namboarinao"
Ireo fanamarihana ireo dia efa nambara tamin'ny endrika fanontaniana mba hanampiana fanamafisana. DH: "Mahagaga Ianao fa mihevitra ny olona ka manahy ny amin'izy ireo!"
Ireo andianteny roa ireo dia samy manondro ny olona amin'ny ankapobeny.
Ny voninahitra sy haja dia lazaina toy ny hoe satro-boninahitra. Ny teny hoe "voninahitra" sy "haja" dia mitovy ny dikany. DH: "nomenao voninahitra sy haja" na "nataonao tahaka ny mpanjaka"
Ireo andianteny roa ireo dia maneho hevitra mitovy.
"Ianao manao azy ireo ... eo ambany tongotr'izy ireo." Ny teny hoe "izy" sy "azy" eto dia manondro ny olona.
Ny tanana dia maneho izay zava-bitan'Andriamanitra. DH: "ireo zavatra izay nataonao"
Ny fananana fahefana hanapaka ny hafa na hibaiko ny zavatra dia lazaina toy ny hoe manana ireny zavatra ireny ao ambany tongotr'olona iray. Izany midika fa Andriamanitra nanome ny olona fahefana amin'ny voahary rehetra. DH: "Ianao no efa nanome azy fahefana amin'ny zava-drehetra"
Amin'ity fehezanteny mampiseho hatairana ity, Davida mampiseho ny hafaliany sy talanjona amin'ny halehiben'Andriamanitra. DH: "mahafinaritra mahatalanjona ny anaranao amin'ny tany rehetra" na "ny olombelona rehetra amin'ny tany mahalala fa mahafinaritra Ianao"
Ny "anaran'" Andriamanitra dia maneho Azy na ny lazany. DH: "ny lazanao"
"tsara dia tsara" na "lehibe"
Ho an'ny mpiventy hira, natao tamin'ny fomban'ny Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida. 1 Hanome fisaorana an'i Yaveh amin'ny foko manontolo aho; hanambara ny asa mahagaga nataonao aho. 2 Hifaly sy hiravo ao aminao aho; hihira fiderana ho an'ny anaranao aho, ry Avo Indrindra! 3 Rehefa miverina ny fahavaloko, dia ho tafintohina sy ho faty manoloana Anao izy ireo. 4 Fa efa niaro ny rariny Ianao; mipetraka eo amin'ny seza fiandriananao Ianao, ry mpitsara marina! 5 Efa niteny mafy ireo firenena Ianao; efa nandrava ireo ratsy fanahy Ianao. Efa nofafanao mandrakizay doria ny anaran'izy ireo. 6 Nirodana toy ny faharavana ireo fahavalo raha nandrava ny tanànan'izy ireo Ianao. Very ny fahatsiarovana azy ireo rehetra. 7 Fa mitoetra mandrakizay Yaveh, nametraka ny seza fiandrianany ho amin'ny fahitsina Izy. 8 Hitsara ny tany amin'ny fahamarinana Izy, ary hampihatra fitsarana ho an'ny firenena amin'ny rariny Izy. 9 Ho fiarovana mafy ho an'ireo nampahoriana ihany koa Izy, ho fiarovana mafy amin'ny fotoanan-tsarotra. 10 Ireo izay mahalala ny anaranao dia mahatoky Anao, fa Ianao, ry Yaveh, tsy mandao ireo izay mitady Anao. 11 Mihirà fiderana ho an'i Yaveh, izay manapaka ao Ziona; ambarao amin'ireo firenena izay nataony. 12 Fa Andriamanitra izay mamaly ny fandatsahan-drà dia mahatsiaro; tsy manadino ny fitarainan'ireo ory Izy. 13 Mamindrà fo amiko, ry Yaveh; jereo ny fampahorian'ireo izay mankahala ahy, Ianao izay afaka nisintona ahy eo ambavahadin'ny fahafatesana. 14 Endrey, te hanambara ny fiderana Anao rehetra aho. Eo ambavahadin'ny zanaka vavin'i Ziona no hifaliko amin'ny famonjenao! 15 Nilentika tao amin'ny lavaka izay nataon'izy ireo ireo firenena; tratra tao amin'ny harato izay nafenin'izy ireo ny tongony. 16 Nampahafantatra ny tenany i Yaveh; nampiatra fitsarana Izy; voafandrika tamin'ny nataony ihany ireo ratsy fanahy. Sela 17 Nomen-damosina ny ratsy fanahy ary nalefa tany amin'ny fiainan-tsy hita, ny anjaran'ny firenena rehetra izay manadino an'Andriamanitra. 18 Fa ireo mahantra dia tsy ho adinoina mihitsy, ny fanantenan'ny ory koa dia tsy ho very mandrakizay. 19 Mitsangàna, ry Yaveh, aza avela handresy Anao ny olona; aoka ireo firenena ho tsaraina eo imasonao. 20 Ampitahory izy ireo, ry Yaveh; aoka ho fantatry ny firenena rehetra fa olona ihany izy ireo. Sela
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Mety manondro fomba ara-mozikaly ity
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Satria ity hira ity dia miantefa amin'i Yaveh, dia azo tondroina ho "Ianao" i Yaveh. DH: "Yaveh o, hisaotra Anao aho amin'ny foko rehetra"
Ny anarana "asa" dia azo ambara amin'ny matoateny "manao." DH: "ny zava-mahagaga rehetra ataonao" na "ny zava-mahagaga rehetra efa nataonao"
Eto ny anaran'Andriamanitra dia maneho an'Andriamanitra. DH: "hihira fiderana ho Anao aho"
"miverina" na "mandositra amin-tahotra"
Ny mpanjaka dia nanana fahefana hitsara ny olona, ary nipetraka eo amin'ny seza fiandrianany izy ireo rehefa mitsara. Davida miteny toy ny hoe mpanjaka eto an-tany Andriamanitra. DH: "mitsara toy ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany Ianao, ary marina"
Ny fanaovana ny olona ho adinoina dia lazaina toy ny hoe mamono ny anaran'izy ireo. DH: "Ianao efa nanao azy ireo ho adinoina raha novonoina ny anaran'izy ireo" na "tsy hisy hahatsiaro azy ireo intsony"
"nofafaina"
Ny fahavalo dia lazaina toy ny hoe tanàna feno trano noravaina. DH: "Voapotika ireo fahavalonay"
"rehefa nandrava ny tanànan'izy ireo Ianao"
Ny hoe fahatsiarovana dia lazaina toy ny hoe zava-manan'aina mety maty. DH: "Nitsahatra ny fahatsiarovana azy ireo rehetra" na "Tsy misy intsony ny fahatsiarovana azy ireo"
Ny Fahatsiarovana dia azo ambara amin'ny alalan'ny matoateny "mahatsiaro." DH: "Tsy misy hahatsiaro azy ireo izany"
Ny "mitoetra" dia mety hoe maneho fipetrahana eo amin'ny seza fiandrianana toy ny mpanjaka. DH: "mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany mandrakizay Yaveh" na "manjaka mandrakizay Yaveh"
Ny andianteny hoe "ny seza fiandrianany" dia maneho ny fanapahan'Andriamanitra. Ireo mety ho heviny dia 1) "Manjaka Izy mba hitsarana ny olona" na "Manjaka ara-drariny amin'ny olona Izy"
Ireo fehezanteny roa ireo dia milaza hevitra iray.
Eto "ny tany" manondro ny olona rehetra eto amin'izao tontolo izao. DH: "Hitsara ny olon-drehetra eto an-tany amin'ny fahamarinany izy"
Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe toerana izay hahafahan'ny olona mandeha misy fiarovana. DH: "Hiaro ny ory ihany koa Yaveh" na "Hanome fiarovana ho an'ireo izay ory ihany koa Yaveh"
"fierena" na "fialofana"
Eto ny teny "ny anaranao" dia maneho an'Andriamanitra. Dh: "Izay mahalala Anao"
"aza mahafoy" na "aza mamela"
"izay monina ao Jerosalema"
Eto "ireo firenena" dia maneho ny olona rehetra.
Ny zavatra tsaroany dia azo ambara mazava. DH: "Fa ny Andriamanitra izay mamaly ny fandatsahan-drà dia mahatsiaro ireo izay novonoina" na "Fa Andriamanitra mahatsiaro ireo izay novonoina ary manafay ny mpamono olona"
"tsy mody tsy mahalala ny fitarainana Izy"
Azo ambara amin'ny tso-drafitra izany. DH: "jereo ireo izay mankahala ahy mampahory ahy" na "jereo ny faharatsian'ny anaovan'ireo fahavaloko ahy"
Ny fahafatesana dia lazaina toy ny hoe tanàna iray misy vavahady hidiran'ny olona. Raha misy olona manakaiky ny vavahady, dia ho faty tsy ho ela izy. Ny fihazonana olona iray amin'ny fahafatesana dia lazaina toy ny hoe fanesorana azy eo amin'ny vavahadin'izany tanàna izany. DH: "Ianao izay afaka mamonjy ahy amin'ny fahafatesana" na "Ianao izay afaka mihazona ahy amin'ny fahafatesana"
nihady lavaka maro ny olona mba hihazana biby hianjera ao. Eto ny fihadiana lavaka dia maneho fikasana hamotika olona. DH: "Ireo firenena dia tahaka ny olona mihady lavaka ho an'ny hafa ka dia mandatsaka ao amin'izany"
Manafina harato ny olona mba hahazoana biby ho babo ao amin'izany. Eto ny fanafenana harato dia maneho fikasana hamotika olona. DH: "Izy ireo dia tahaka ny olona manafina harato ka dia manatratra ao amin'izany"
"voafandrika" na "tratra." Izany dia maneho fahapotehana. DH: "voapotika"
"nolavina"
"ny toerana hisian'ireo firenen-drehetra izay manadino an'Andriamanitra"
Azo ambara amin'ny tso-drafitra izany. DH: "Tsy mba hanadino ny mahantra izany mihitsy Andriamanitra" na "Hahatsiaro ny mahantra Andriamanitra"
Ny fanantenana dia lazaina toy ny hoe zavatra azo vakiana na potehina. Ny fanantenana simba dia maneho ireo zavatra izay irarian'ny olona tsy hitranga mihitsy. DH: "ary tsy hanantena mandrakizay ny ory ka tsy misy vokany" na "ary any andro hitranga izay antenain'ny ory"
Ny fiarenana midika fanombohana hanao zavatra. DH: "Manaova zavatra" na "Mihetseha"
"olona"
Eto ny fitsarana dia maneho famaizana. DH: "ho faizina"
Eto ny imaso dia maneho fanatrehana. DH: "eo amin'ny fanatrehanao"
Azo ambara amin'ny tso-drafitra izany. DH: "tsarao eo amin'ny fanatrehanao ireo firenena" na "alaivo eo amin'ny fanatrehanao ireo firenena ka faizo"
1 Nahoana, ry Yaveh, no mijanona eny lavitra eny Ianao? Nahoana no manafina ny tenanano amin'ny fotoan-tsarotra Ianao? 2 Nohon'ny avonavon'izy ireo, ny ory dia henjehan'ny ratsy fanahy; nefa aoka re ny ratsy fanahy ho voafandriky ny eritreritr'izy ireo izay noheverin'izy ireo ihany. 3 Fa ireo olona ratsy fanahy dia mirehereha ny amin'ireo faniriany lalina; mitahy ireo tia vola izy ary maniratsira an'i Yaveh. 4 Nanandratra ny tavany ny ratsy fanahy; tsy nitady an'Andriamnaitra izy. Tsy mieritreritra ny momba an'Andriamanitra mihitsy izy satria tsy miraharaha ny momba azy akory. 5 Voaaro amin'ny fotoana rehetra izy, saingy ny didinao marina dia avo loatra ho azy; mierona amin'ireo fahavalony rehetra izy. 6 Miteny ao am-pony izy hoe: "Tsy ho lavo mandrakizay aho; hatramin'ny taranako dia rehetra tsy hahita fahoriana." 7 Feno ozona sy fitaka, teny mampidi-doza ny vavany; mandratra sy mamotika ny lelany. 8 Miandry am-piafenana teo akaikin'ireo tanàna izy. Any amin'ireo toerana miafina no hamonoany ny tsy manan-tsiny; mitady ireo niharam-boina tsy afa-manoatra ny masony. 9 Miafina ao amin'ny mangina toy ny liona ao anaty kirihitrala izy; mahavoasambotra ny ory izy rehefa misintona ny haratony. 10 Ireo izay tratrany dia notorotoroina ary nokapohiny; nilatsaka tao anatin'ny haratony lehibe izy ireo. 11 Miteny ao am-pony izy hoe: "Efa nanadino Andriamanitra; nandrakotra ny tavany Izy, tsy hisahirana hijery akory Izy." 12 Mitsangàn, ry Yaveh! Asandrato ny tananao, Andriamanitra o! Aza manadino ny ory. 13 Nahoana no mandà an'Andriamanitra ny olona ratsy fanahy ary miteny ao am-pony hoe: "Tsy hihazona ahy ho tompon'andraikitra ve ianao"? 14 Efa naharay filazana ianao, fa hitanao foana ireo izay iharan'ny fahoriana sy alahelo. Miankina aminao ireo tsy afa-manoatra; mpamonjy ny kamboty Ianao. 15 Tapaho ny sandrin'ireo ratsy fanahy sy olon-dratsy. Ataovy tompon'andraikitra amin'ireo ratsy nataony izy, izay noheveriny fa tsy ho hitanao. 16 Mpanjaka mandrakizay doria i Yaveh; noroasina teo amin'ny taniny ireo firenena. 17 Ry Yaveh, efa nandre ny fitarainan'ireo ory Ianao, mampahery ny fon'izy ireo Ianao, mihaino ny vavak'izy ireo Ianano; 18 miaro ny kamboty sy ny ory Ianao ka tsy hisy olona ambonin'ny tany hampihorohoro indray.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo ny mpilaza hanambarana ny fahoriany izay tsy namonjen'Andriamanitra azy. DH: "Yaveh o, isaky ny ao anaty fotoan-tsarotra aho dia toa manalavitra ahy Ianao ary miafina ahy"
"fikasana"
Izany dia manondro olona ratsy fanahy amin'ny ankapobeny.
Ny anarana "faniriana" dia azo ambara amin'ny matoateny "maniry" DH: "ireo zavatra izay iriany atao mafy."
"olona tsy mahalala onona"
Manondro olona amin'ny ankapobeny izany eto. DH: "ny olona ratsy fanahy" (UDB)
Ny tava asandratra dia maneho fireharehana na fiavonavonana. DH: "manana toe-tsaina mpirehareha" na "mirehareha"
Ny fitadiavana an'Andriamanitra dia maneho na 1)mangataka fanampiana amin'Andriamanitra na 2)mihevitra momba an'Andriamanitra sy mankatò Azy. DH: "tsy mangataka fanampiana amin'Andriamanitra izy" na "tsy mihevitra an'Andriamanitra izy"
"Azo antoka amin'ny fotoana rehetra izy." Tsy dia mandry fahalemana loatra izy, nefa izy mihevitra fa izany tokoa.
Ny zavatra izay saro-takarina dia lazaina toy ny hoe avo loatra ka tsy tratra. DH: "tsy mahatakatra ny didinao marina izy"
Ny olona mierona amin'ireo fahavalony rehefa mihevitra izy fa malemy sy tsy misy dikany ireo fahavalo. DH: "mihevitra izy fa malemy sy tsy misy dikany avokoa ireo fahavalony" na "mihomehy ireo fahavalony izy"
Midika izany fa mamoaka rivotra mafy eo amin'ny orony izy.
"Hoy ilay lehilahy ratsy fanahy"
Mety ho midika hoe "mandrakizay" izany raha tsorina.
Ny fandalovana fahoriana dia lazaina toy ny hoe mahita izany. DH: "tsy hanam-pahoriana aho"
Ny zavatra lazain'ny olona dia atao toy ny hoe eo am-bavany. DH: "Manozona olona foana izy ary milaza zavatra mamitaka sy mampidi-doza" na "Manozona olona foana izy, milaza lainga, ary mandrahona hamono olona."
Ny lela eto dia maneho fitenenana. DH: na "izay lazainy dia mandratra sy mamotika olona" na "miteny mandrahona sy mandratra olona izy."
Ny teny hoe "izy" dia manondro ny lehilahy ratsy fanahy.
Ny maso dia maneho azy. DH: "mitady ireo niharam-boina tsy afa-manoatra izy"
Miteny ny olona ratsy fanahy izany toy ny hoe liona izy. DH: "Miery izy raha miandry an'ireo tsy manan-kery handalo eo aminy, mitovy amin'ny liona miandry moramora ao amin'ny lava-biby iriany hamelezana."
Miandry amin'ny fikasana hamelezana na hamonoana.
"miafina izy ary mikendry
Ny mpanoratra milaza ny olona ratsy fanahy misambotra olona toy ny hoe mpihaza mampiasa harato hisamborana biby. DH: "Misambotra ny ory tahaka ny mpihaza misambotra biby ao amin'ny harato izy ary mitondra izany."
Ny mpanoratra manohy milaza ny olona ratsy fanahy misambotra olona toy ny mpihaza, ny drafiny dia harato, ary ireo olona dia biby izay milatsaka ao amin'ny haratony. DH: "voasambotra ao amin'ny haratony toy ny biby mianjera ao anaty harato lehiben'ny mpihaza ireo hazany."
Ny teny hoe "izy" dia manondro ny olona ratsy fanahy, sy ireo olona ratsy fanahy amin'ny ankapobeny.
Ny fandavana ny hijery izay ataon'ny olona dia lazaina ho fanadinoina. DH: "Andriamanitra tsy mijery" na "Andriamanitra tsy mihevitra izay ataoko"
Ny fandavana hijery izay ataon'ny olona dia lazaina fa manarona tava. DH: "mandà ny hijery izay mitranga Andriamanitra"
Ny fifantohana amin'izay ataon'ny olona dia lazaina fa mijery izany. DH: "tsy hisahirana hifantoka akory Izy" na "Tsy hiraharaha akory Izy"
Ny fanombohana hanao zavatra dia lazaina fa mitsangana. DH: "Manaova zavatra"
Ny manandra-tanana hamely olona eto dia maneho famaizana azy. DH: "Asio mafy izy" na "Faizo ny olona ratsy fanahy"
Mampiasa izany fanontaniana izany ny mpilaza hampisehoana fa malahelo loatra izy satria manao ireo zavatra ireo ny olona ratsy fanahy. DH: "Mandà an'Andriamanitra mandrakariva ny ireo olona ratsy fanahy ary miteny ... 'Tsy hihazona ahy ho tompon'Andraikitra ianao.'"
"Tsy hila ahy hilaza aminao ny antony anaovako izao ataoko izao aho." Nyb mihazona olona ho tompon'andraikitra eto dia maneho famaizana azy. DH: "tsy hanafay ahy Ianao"
Ny "sandry" eto dia midika hery. DH: "Poteho ny herin'ny ratsy fanahy sy olon-dratsy" na "Ataovy tsy manan-kery ny ratsy fanahy sy ny olon-dratsy"
Ireo teny ireo dia manana hevitra mitovy. Azonao atao ny mampiasa teny iray hanambarana foto-kevitra roa ireo.
Ny fanaovana olona ho tompon'andraikitra amin'ireo ratsy ataony dia maneho famaizana azy. DH: "Faizo izy amin'ireo zava-dratsy efa nataony"
Midika izany fa mitaraina amin'Andriamanitra ireo ory. DH: "rehefa nitaraina aminao ireo ory, dia nihaino azy ireo nilaza taminao izay ilainy izy ireo"
Ny fo mahery dia herim-po, ary ny fampaherezana ny fon'ny olona maneho fampaherezana azy ireo. DH: "mampahery azy ireo Ianao" na "mampisy fahatokisan-tena azy ireo Ianao"
"tsy hisy olona ... hampahatahotra ny vahoaka intsony"
1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. 1Yaveh no ialofako; ahoana no hilazanao amiko hoe: "Mandosira any an-tendrombohitra Tahaka ny vorona?" 2 Fa indro! Manamboatra ny zana-tsipìkany ny ratsy fanahy. Manenjana ny tsipìkany izy ireo mba hitifirana ny mahitsy fo ao anaty aizina. 3 Fa raha rava ireo fanorenana, inona no azon'ny marina atao? 4 Yaveh dia ao amin'ny tempoliny masina; mijery ny masony, mandinika ny zanak'olombelona ny masony. 5 Samy dinihin'i Yaveh na ny olo-marina na ny ratsy fanahy, fa Izy dia mankahala ireo tia herisetra. 6 Handatsaka vain'afo mahamay sy solifara amin'ireo ratsy fanahy Izy; rivo-mandoro no ho anjara kapoakany! 7 Fa marina Yaveh, ary tia fahamarinana Izy; ny mahitsy no hahita ny tavany.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny fankanesana any amin'i Yaveh hitady fiarovana dia lazaina tahaka ny mialoka ao aminy. DH: "mankany amin'i Yaveh hitady fiarovana"
Ity fanontaniana ity dia mangataka hitondrana fanamafisana. Azo adika ho fanambarana tsotra io. DH: "Noho izany dia aza mangataka amiko ny hitsoaka!"
Indro! mivonona hamely ny olo-marina ny ratsy fanahy"
Ny "mahitsy fo" eto dia manondro ny olo-masina na olo-marina
"Ny fototra" eto dia mety manondro lalàna na baiko. Ity fanontaniana tsara fipetraka ity dia apetraka hitondrana fanamafisana. Azo adika ho fanambarana tsotra izany. DH: "Tsy afaka manao na inona na inona ny olo-marina raha tsy faizina rehefa tsy manara-dalàna!"
Mahafantatra ny zava-mitranga rehetra Yaveh. DH: "Mandinika ny ataon'ny olombelona Izy"
"olombelona"
"mijery amim-pahalinana"
"mamely ny hafa"
Ny famaizan'Andriamanitra dia soritana toy ny hoe vain'afo sy solifara avy amin'ny volkano. DH: "Manafay ny ratsy fanahy Izy; tsy hisy anjara ho azy ireo!"
"ho eo amin'ny fanatrehany"
Ho an'ny mpiventy hira; natao tamin'ny Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. 1 Vonjeo, ry Yaveh, fa tsy misy intsony ny tsara fanahy; nanjavona ireo mahatoky. 2 Samy miteniteny foana amin'ny mpiara-monina amin'ny molotra mandoka sy fo miroaroa ny olona rehetra. 3 Ry Yaveh, aringano ireo molotra mpiatsaravelatsihy, ny lela rehetra samy hanambara ireo zava-marina. 4 Ireo dia izay niteny hoe: "Ny lelanay no hampandresy anay. Raha miteny ny molotray, iza no afaka handidy eo aminay?" 5 Nohon'ny herisetra atao amin'ny ory, nohon'ny senton'ny mahantra, dia hitsangana Aho," hoy i Yaveh. Hanome filaminana izay irin'izy ireo fatratra aho." 6 Ireo tenin'i Yaveh dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika im-pito. 7 Ianao no Yaveh! Nitandrina azy ireo ianao. Miaro ny olona tsara fanahy amin'izao taranaka ratsy fanahy izao mandrakizay Ianao. 8 Mandeha na aiza na aiza ny ratsy rehefa misandratra amin'ny zanak'olombelona ny ratsy.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Mety manondro fomba ara-mozikaly izany. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 6:1
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
"Yaveh o, tongava hamonjy ahy"
"nanjavona avokoa ny olo-mahatoky rehetra"
Ireo fisehon'ny "olon-drehetra" roa ireo dia fanasarotana, ampiasaina hanamafisana fa henjana ny olana.
"fandokafana diso"
"teny mamitaka"
"atsaharo amin'ny filazana fandokafana fitaka izy ireo"
Ny "lela" eto dia maneho fitenenana am-pireharehana. DH: "ny olona rehetra izay mirehareha"
Ny teny hoe "ny lelanay" eto dia maneho ireo teny maro izay tenenin'izy ireo. DH: "Ny filazana teny maro dia hampandresy anay"
Ity fanontaniana tsara fipetraka ity dia apetraka hitondra fanamafisana fa izy ireo dia mino fa tsy hisy afaka hanapaka eo aminy. Azo adika ho fanambarana tsotra izany. DH: "tsy hisy afaka hanapaka eo aminay!"
Izany dia feo lalina ataon'ny olona nohon'ny fanaintainana na fihetseham-po mafy.
Midika izany fa Yaveh hanao zavatra hamonjena ny olona.
Ampitahaina amin'ny volafotsy izay avy nodiovina ny tenin'i Yaveh. DH: "tsy misy pentina izany"
"mihazona ny olo-masina ho azo antoka Ianao"
"manodidina anay"
Azo ambara amin'ny tso-drafitra izany. DH: "rehefa midera ny ratsy ny olona rehetra"
"olombelona" na "olona"
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. 1 Mandra-pahoviana, ry Yaveh, no hanadinoanao ny momba ahy? Mandra-pahoviana no hanafenanao amiko ny tavanao? 2 Mandra-pahoviana no tsy maintsy hatahorako sy hananako alahelo am-po isan'andro? Mandra-pahoviana no handresen'ny fahavaloko ahy? 3 Jereo aho ary valio, ry Yaveh Andriamanitro! Omeo fahazavana ny masoko, fandrao renoky ny torimasom-pahafatesana aho. 4 Ny fahavaloko aza avela hiteny hoe: "Efa nandresy azy aho," mba tsy hitenenan'ny fahavaloko hoe: "Efa nandresy teo amin'ny rafiko aho;" raha tsy izany, dia hifaly ireo fahavaloko rehefa lavo aho. 5 Fa efa akaiky ny tsy fivadiham-panekenao aho; mifaly amin'ny famonjenao ny foko. 6 Hihira ho an'i Yaveh aho satria tena nalala-tanana tamiko izy.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Anontaniana ity fanontaniana ity mba hahazoana ny fifantohan'ny mpamaky ary hanasiana fanamafisana. Azo adika ho fanambarana izany. DH: "Yaveh o, hita fa toa adinonao ny momba ahy!"
Ny teny hoe "tavanao" dia maneho ny tenan'Andriamanitra manontolo. Ity fanontaniana tsara petraka ity dia apetraka hanampiana fanamafisana. Azo adika ho fanambarana izany. DH: "Toa tahaka ny miafina amiko Ianao!"
Ity fanontaniana tsara petraka ity dia apetraka hanampiana fanamafisana. Azo adika ho fanambarana izany. DH: "Tsy handavo ahy lava tokoa ireo fahavaloko!"
"Omeo ahy ny fifantohanao ary henoy aho"
Izany dia fomba entina hangatahana hery. DH: "Atanjaho indray aho"
Ny "renoka ao amin'ny fahafatesana" midika hoe maty.
"Ireo fahavaloko aza avela hilaza momba ahy ... Mba tsy hahafahan'ny fahavaloko milaza momba ahy"
"rehefa potraka aho" na "rehefa mandavo ahy izy ireo"
Amin'ny fitenenana ny "famindrampon'"i Yaveh, Davida dia matoky an'i Yaveh hitia azy. DH: "Matoky aho fa hitia ahy amim-pahatokiana Ianao" (UDB)
Ny "foko" eto dia maneho ilay olona manontolo. DH: "Hifaly aho satria namonjy ahy Ianao"
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. 1 Ny adala niteny anakam-po hoe: "Tsy misy Andriamanitra." Simba toetra izy ireo ary efa nanao heloka fahavetavetana; tsy misy na dia iray aza manao ny tsara. 2 Miondrika mijery ny zanak'olombelona avy eny amin'ny lanitra i Yaveh mba hizaha raha misy mahalala, sy mitady Azy. 3 Samy efan nivily avokoa izy rehetra. Samy simba toetra avokoa. Tsy misy manao ny tsara, tsia, na iray aza. 4 Tsy mahafantatra na inona na inona ve izy ireo, ireo izay manota, ireo izay mihinana ny oloko tahaka ny fihinanany mofo, kanefa tsy miantso an'i Yaveh? 5 Tora-kovitry ny tahotra izy ireo, satria Andriamanitra dia momba ny fiangonana marina! 6 Maniry ny hanala baraka ny olona mahantra ianao na dia i Yaveh aza no fialofany. 7 Endrey, izany famonjena ny Israely izany dia ho avy any Ziona! Raha mitondra ny vahoakany avy any amin'ny fahababoana i Yaveh, dia ho ravo i Jakoba ary ho faly ny Israely rehetra!
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Izany dia fomba fiteny izay midika hoe miteny amin'ny teneny ihany na misaina ao amin'ny tenany. DH: "Ny olona adala miteny amin'ny tenany ihany"
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ny olombelona adala rehetra izay miteny fa tsy misy Andriamanitra.
Ity andianteny ity dia manondro ny olombelona rehetra.
Izany dia mamaritra ireo izay maniry hahalala an'Andriamanitra tahaka ny hoe nanara-dia Azy tokoa amin'ny lalany. DH: "izay maniry hahalala Azy"
Izany dia mamaritra olona izay efa nandà an'Andriamanitra toy ny hoe nitsahatra nandeha tamin'ny lala-marina izy ireo ary lasa tamina tari-dalana hafa. DH: "Samy efa nania tamin'i Yaveh avokoa izy rehetra"
Ity fanontaniana tsara petraka ity dia apetraka hanampiana fanamafisana. Azo adika ho fanambarana izany. DH: "Manao toy ny hoe tsy mahalala na inona na inona izy ireo ... tsy miantso an'i Yaveh. Kanefa izy ireo mahafantatra izay ataony!"
Ny "heloka" eto dia manondro fanaovana zava-dratsy. DH: "Izay manao fihetsika ratsy"
Izany dia ireo izay manao zava-dratsy sy manimba ny olon'Andriamanitra toy ny hoe mihinan-kanina izy ireo.
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo izay manao zava-dratsy.
Ny milaza fa "Andriamanitra dia momba" ireo izay marina dia midika fa mamonjy azy ireo Izy. Azo ambara mazava izany ao amin'ny dika-teny. DH: "Andriamanitra mamonjy izay manao amim-pahamarinana" (UDB) na "Andriamanitra mamonjy izay manao zavatra tsara"
Ny teny hoe "ianao" eto dia manondro ireo olo-dratsy.
"ny hanao ny olona mahantra hahatsiaro menatra"
Izany dia milaza ny fiarovana izay atolotr'i Yaveh toy ny hoe fialofana hahafahan'ny olona tadiavina ao amin'ny tafio-drivotra Izy. DH: "Tahaka ny fialofana fiarovana ho azy i Yaveh"
Ny mpanoratra milaza fa maniry an'Andriamanitra ho tonga avy any Jerosalema izy ka hanavotra an'Israely. DH: "Raha mba tonga avy any Jerosalema Yaveh ary hanavotra ny olony!"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Na "Jakoba" na "Israely" eto dia samy maneho ny vahoakan'Israely. Azo ampiarahina ao amin'ny fandikan-teny ireo andianteny roa ireo. DH: "dia hifaly indrindra ny vahoakan'Israely manontolo"
Salamo nataon'i Davida. 1 Ry Yaveh, iza moa no afaka hijanona ao amin'ny tabernakelinao? Iza no afaka honina eo an-tendrombohitrao masina? 2 Dia ireo rehetra mandeha tsy misy tsiny, manao izay marina, ary miteny ny marina amin'ny fony. 3 Tsy manendrikendrika amin'ny lelany izy, tsy manisy ratsy ny hafa izy, ary tsy maniratsira ny namany izy. 4 Ny olon-tsy mendrika dia ho tsinontsinoavina eo imasony, fa hanome voninahitra ireo izay matahotra an'i Yaveh izy. Miniana amin'ireo fahavoazany ary tsy hamerina ireo fampanantenany izy. 5 Tsy maka tombony izy rehefa mampisambo-bola. Tsy mandray kolikoly mba hijoroana vavolombelona hanoherana ny tsy manan-tsiny izy. Izy izay manao ireo zavatra ireo dia tsy ho voahozongozona mandrakizay.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
"Tendrombohitra masina" eto dia maneho ny tempolin'Andriamanitra. izay any amin'ny tendrombohitra Ziona. DH: "Iza no afa-miaina ao amin'ny tendrombohitrao masina?"
"miteny amim-pahatsorana"
Manondro ny olo-marina izany ao amin'ny 15:1
Ny "lela" eto dia maneho fiteny ratsy. DH: "Tsy miteny zava-dratsy momba ny olona tsy manan-tsiny izy"
"mandona" na "mahavoa"
"Ny olo-marina mankahala izay nandà an'Andriamanitra, fa kosa izy ireo manome voninahitra izay manaja an'Andriamanitra"
"Ny olona ratsy fanahy" na "Ny olona izay nandà an'i Yaveh"
Ny "hangozohozo" eto dia maneho tsy miaina amim-pandriampahalemana intsony. DH: "hiaina amim-pandriampahalemana"
Salamo nosoratan'i Davida. 1 Arovy aho, ry Yaveh, fa mialoka ao aminao aho. 2 Hoy aho tamin'i Yaveh hoe: "Ianao no Tompoko; tsy misy soa ananako ankoatra Anao. 3 Raha ny amin'ireo olo-masina eto an-tany, dia mendri-kaja izy ireo, ny fankasitrahako rehetra dia ho amin'izy ireo. 4 Ho ampitomboina ny fahorian'ireo izay mitady andriamani-kafa. Tsy mba handraraka fanati-drà amin'ireo andriamanitr'izy ireo aho na hanandratra ny anaran'izy ireo amin'ny molotro. 5 Ry Yave, Ianao no anjara voafidiko sy kapoakako. Ianao no mihazona ny anjarako. 6 Eo amin'ireo tany mahafinaritra no misy ny voafaritra ho ahy; ahy tokoa ny lova tsara. 7 Hisaotra an'i Yaveh, izay manoro hevitra ahy aho; eny na dia amin'ny alina aza dia mampianatra ahy ny saiko. 8 Hataoko eo anoloako mandrakariva i Yaveh, mba tsy ho voahozongozona eo an-tanan-kavanany aho! 9 Noho izany dia faly ny foko; ravoravo ny fanahiko. Hiaina am-pilaminana tokoa aho. 10 Satria tsy hamela ny fanahiko ho any amin'ny Fiainan-tsy hita Ianao. Tsy hamela ilay mahatokinao hahita ny lavaka Ianao. 11 Nampianarinao ahy ny lalan'ny fiainana; hafaliam-be ny eo anatrehanao; fahafinaretana ny mitoetra eo an-tanan-kavananao mandrakizay!"
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny tonokalo Hebreo.
Ny dikan'ny teny hoe "miktama" dia tsy voafaritra mazava. Azonao ampiasaina ny teny "salamo" ho solony. Izany dia azo soratana toy izao: "Salamo nosoratan'i Davida."
Ny mankany amin'i Yaveh hitady fiarovana dia lazaina fa mialoka ao aminy. DH: "mankany aminao hitady fiarovana"
Ny "olo-masina" eto dia manondro ireo olon'Andriamanitra manokana izay mitoky aminy. DH: "ireo olonao izay monina eto amin'ity tany ity."
Azo ambara amin'ny tso-drafitra izany. DH: "Ho ampitomboina ny fahorian'izay mitady andriamani-kafa."
"manao sorona ho an'andriamanitr'izy ireo" (UDB)
Ny fanandratana "ny anarany amin'ny molotro" dia maneho fiderana ireo andriamani-kafa na mivavaka amin'izy ireny.
Davida eto dia miteny an'i Yaveh toy ny hoe anjara tany izay efa natolotra ho azy Izy.
Davida eto dia miteny an'i Yaveh toy nhy hoe kapoaka izay mirakitra fitahiana maro. DH: "Ilay mitahy ahy"
"Ianao no mandamina ny ho aviko"
Ny fitahian'Andriamanitra ho an'i Davida dia lazaina toy ny hoe fizarazaran-tany izay norefesina ho fananany. "voafaritra" dia maneho ny kofehin'ny mpamaritra. Azo atao tso-drafitra izany. DH: "mahafinaritra ny toerana izay nomenao ho ahy"
Davida miteny ny fitahian'i Yaveh eto toy ny hoe lova izay noraisiny izany. DH: "Mankamamy ny zava-drehetra izay efa natolony ahy aho" (UDB)
"Mahatsiaro mandrakariva aho fa momba ahy Yaveh"
Azo atao tso-drafitra izany. DH: "tsy hisy haharombaka ahy eo an'ilany"
Davida manohy miresaka amin'Andriamanitra
Ny mpilaza dia miteny fa mitondra voninahitra ho azy ny fahafahana midera an'Andriamanitra. Ireo fehezanteny roa ireo dia manambara hevitra tena mitovy. DH: "Noho izany dia faly aho; voninahitra ho ahy ny midera Azy" (UDB)
Ny "fo" eto dia maneho ny fisainana sy fihetseham-pon'ny mpanoratra.
Maro amin'ireo dika-teny, ao anatin'izany ny UDB, mandika ny "ny fanahiko" ho ny fon'ny mpanoratra, izay voatahy hifaly noho Andriamanitra.
Ny mpanoratra miteny ny "hafaliana" toy ny hoe olona.
Ny teny "tanan-kavanana" dia manondro ny fanatrehan'Andriamanitra manokana. DH: "rehefa eo anilanao aho"
Vavaka nataon'i Davida. Mihainoa ny fangatahako ny rariny, ry Yaveh; 1 henoy ny antso vonjiko! Atongilano amin'ny fivavahako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka ny sofinao. 2 Aoka ho avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; aoka ny masonao hijery ny rariny! 3 Raha mizaha toetra ny foko Ianao, raha tonga amiko amin'ny alina Ianao, dia hanadino ahy Ianao ary tsy hahita fikasan-dratsy; tsy hanota ny vavako. 4 Ny amin'ny asan'ny olona, dia tamin'ny tenin'ny molotrao no nitandremako ny tenako tamin'ny lalan'ny mpandika lalàna. 5 Ny diako dia mafy orina teo amin'ny lalanao, ary tsy solafaka ny tongotro. 6 Miantso Anao aho, fa mamaly ahy Ianao, ry Andriamanitra; atongilano amiko ny sofinao ary mihainoa rehefa miteny aho. 7 Asehoy amin'ny fomba mahatalanjona ny tsy fivadiham-panekenao, Ianao izay mamonjy ireo izay mialoka aminao amin'ny alalan'ny tanan-kavananao amin'ny fahavalon'izy ireo! 8 Arovy tahaka ny anaka andriamasonao aho; afeno ao ambany aloky ny elatrao 9 amin'ny fanatrehan'ireo ratsy fanahy izay mamely ahy aho, dia ireo fahavaloko izay manodidina ahy. 10 Tsy manana famindram-po na amin'iza na amin'iza izy ireo; ny vavan'izy ireo dia miteny an'avona. 11 Manodidina ny lalako izy ireo. Mibanjina ny mason'izy ireo mba handavo ahy amin'ny tany. 12 Izy ireo dia tahaka ny liona te hamiravira fatratra, tahaka ny liona tanora mamitsaka amin'ireo toerana fierena. 13 Mitsangàna, ry Yaveh! Tafiho izy ireo! Akapohy amin'ny tany ny tavan'izy ireo! Avoty tsy ho azon'ny ratsy fanahy amin'ny alalan'ny sabatrao ny aiko! 14 Avoty amin'ny olona amin'ny alalan'ny tananao aho, ry Yaveh, amin'ny olon'izao tontolo izao izay amin'ity fiainana ity ihany no anjarany! Hameno harena ny kibon'ireo sarobidinao Ianao; hanana taranaka maro izy ireo ary hamela ny hareny ho an'ny taranany. 15 Fa izaho kosa, dia hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; ho afa-po, amin'ny fijerena anao aho, rehefa mifoha.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Ity no vavaka izay nosoratan'i Davida"
Ny fiteny "atongilano ny sofinao" dia manondro fihainoana, ary ny teny hoe "molotra" manondro ireo teny ambaran'ny olona iray. DH: "Mihainoa ny fivavako izay tsy mipololotra avy amin'ny molotra mandainga"
Ny "fanatrehana" eto dia manondro ny tenan'i Yaveh. DH: "Ambarao ho tsy manan-tsiny aho"
"Ny masonao" eto dia manondro izay fantatr'i Yaveh fa marina. DH: "fantatrao fa milaza ny marina aho!"
Ny "mizaha ny foko" eto dia midika hoe mandinika ny fihevitro sy ny faharisihako. DH: "Raha mandinika ny fihevitro Ianao nony alina"
Ny vava eto dia lazaina toy ny hoe afaka miasa samy irery. Maneho ireo teny izay lazain'olona ihany koa izany. DH: "Tsy hilaza lainga aho na hanota amin'ny teniko"
"Ny tenin'ny molotrao" eto dia maneho ny fampianaran'Andriamanitra. DH: "ny fampianaranao no efa nanala ahy amin'ny fanaovan-dratsy"
Ireo fehezanteny roa ireo dia milaza zavatra mitovy. Ny famerimberenana dia mampiseho fanamafisana.
Ny mpanoratra milaza ny fankatoavany amin'Andriamanitra toy ny hoe mandeha amin'ny lalan-kely izy. DH: "Voatefy hanaraka ireo lalanao aho"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy. Ny "sofinao" eto dia manondro ny fahavononan'Andriamanitra hihaino ny olona izay mivavaka aminy. DH: "mifantoha amiko ... mihainoa ahy rehefa miteny"
Ny "tanan-kavanana" dia manondro ny herin'Andriamanitra. DH: "ny fahefanao mahery"
Ny fankanesana any amin'i Yaveh hitady fiarovana dia lazaina toy ny mialoka aminy. DH: "manakny aminao hitady fialofana"
Ny "anaka andriamaso" dia manondro zavatra manan-danja. DH: "Arovy tahaka ny zavatra izay manan-danja sy sarobidy indrindra aminao aho"
Davida miteny an'Andriamanitra toy ny hoe vorona miaro ny zanany ao ambany elany. DH: "Arovy tahaka ny renivorona miaro ny zanany amin'ny fanangonana azy ireo ho eo ambany elany"
Ny "vavan'izy ireo" eto dia manondro izay lazain'ny olona. DH: "mirehareha foana izy ireo"
Ny "nanodidina ny lalako" eto dia maneho ny fomba anarahan'ireo fahavalony an'i Davida eny amin'izay alehany mba hisambotra azy. DH: "Efa manodidina ahy ireo fahavaloko."
Ireo andianteny roa ireo dia maneho hevitra mitovy. Ny famerimberenana dia manampy fanamafisana.
Ny mpanoratra dia mahatsapa voaenjika tahaka ny liona mihaza ny hazany.
Ireo fehezanteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. Ny fiverimberenana dia manampy fanamafisana amin'ny tenin'ny mpanoratra.
Ny "sabatra" sy "tanana" eto dia maneho ny herin'i Yaveh.
Ny lahatsoratra fahiny eto dia miova. Ireo mety ho heviny dia 1) Hamatsy fitahiana lehibe ho an'ny olony Yaveh. DH: "Hanome fitahiam-be ny olonao Ianao" na 2) Hanafay mafy ny ratsy fanahy ka hatrany amin'ny zanany sy ny zafikelin'izy ireo Yaveh.
Ny "tava" eto dia maneho an'i Yaveh amin'ny vatany manontolo. Davida matoky fa hahita an'i Yaveh izy. DH: "Koa satria aho miasa amin'ny fomba marina, dia hiaraka aminao aho indray andro any" (UDB)
Davida mino fa aorian'ny fahafatesany, dia hiaraka amin'i Yaveh izy. Azo azavaina tsara izany ao amin'ny fandikan-teny. DH: "Rehefa maty aho, dia ho faly ao amin'ny fanatrehanao"
1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, ilay mpanompon'i Yaveh, rehefa nihira ho an'i Yaveh ny tonon'ity hira ity tamin'ny andro namonjen'i Yaveh azy teny an-tanan'ireo fahavalony rehetra sy teny an-tanan'i Saoly izy. Nihira izy hoe: 1"Tiako Ianao, ry Yaveh, heriko. 2 Yaveh no harambatoko, fiarovana mafiko, izay mitondra fiarovana ho ahy; Izy no Andriamanitro; haramabatoko, mialoka ao Aminy aho. Izy no ampingako, tandrokin'ny famonjeko, sy fiarovana mafy ho ahy. 3 Hiantso an'i Yaveh izay mendrika ho deraina aho, ary ho voavonjy amin'ireo fahavaloko aho. 4 Namatotra ahy ireo tadin'ny fahafatesana, ary ireo onjan'ny faharatsiana no nandrendrika ahy. 5 Namatotra ahy ireo tadin'i fiainan-tsy hita; namandrika ahy ny fandriky ny fahafatesana. 6 Niantso an'i Yaveh aho tao anatin'ny fahoriako; niantso vonjy tamin'ny Andriamanitro ah. Henony ny feoko avy tao amin'ny tempoliny; ny vonjiko dia tonga teo anatrehany; tonga tao an-tsofiny izany. 7 Ary nihovitra sy nihorohoro ny tany; nihorohoro sy nihovitrovitra ihany koa ny fototr'ireo tendrombohitra satria tezitra Andriamanitra. 8 Niakatra ny sekotra avy tao amin'ny lavakoriny, ary afo midedadeda no nivoaka ny vavany. Nirehitra tamin'izany ny vain'afo. 9 Nosokafany ny lanitra ary nidina izy, ary teo ambanin'ny tongony ny haizina matevina. 10 Nitaingina kerobima Izy ary nanidina; nisosa teny amin'ny elatry ny rivotra Izy. 11 Nataony trano lay nanodidina azy ny haizina, ireo raho-mainty teny an-danitra. 12 Nilatsaka avy teny amin'ny tselatra teo anoloany ny havandra sy vain'afo. 13 Nikotroka teny an-danitra Yaveh! Nihiaka ny feon'ny Avo Indrindra. [1]14 Nandefa ny zana-tsipikany izy ary nampiparitaka ireo fahavalony; tselatra maro no nanaparitaka azy ireo. 15 Avy eo dia nipoitra ireo fantson-drano; ireo fanambanin'izao tontolo izao dia nipotra tamin'ny hikam-piadianao, ry Yaveh-tamin'ny fipoaky ny fofon'ain'ny lavakoronao. 16 Naninjitra ny tanany avy any ambony Izy; nandray ahy Izy! Nisintona ahy avy tao amin'ny rano manonja Izy. 17 Nanavotra ahy tamin'ny fahavaloko matanjaka Izy, tamin'ireo izay nankahala ahy, satria mafy loatra ho ahy izy ireo. 18 Tonga nanohitra ahy izy ireo tamin'ny androm-pahoriako fa Yaveh no nanohana ahy! 19 Nanafaka ahy teny amin'ny toerana malalaka Izy; namonjy ahy Izy satria nahafinaritra Azy aho. 20 Nanome valisoa ahy Yaveh nohon'ny fahamarinako; manarina ahy Izy satria nadio ny tanako. 21 Fa izaho efa nitandrina ireo didin'i Yaveh ary tay nivadika ratsy fanahy tamin'ny Andriamanitro. 22 Fa efa teo anoloako ireo lalàny marina rehetra; raha ny amin'ireo didiny, dia mbola tsy nivadika tamin'ireo aho. 23 Izaho ihany koa dia tsy nanan-tsiny teo anatrehany, ary nitandrina ny tenako tamin'ny fahotana aho. 24 Noho izany dia namelona ahy indray Yaveh nohon'ny fahamarinako, satria nadio teo imasony ny tanako. 25 Izay mahatoky. dia ampisehoanao fahatokisana; ny olona izay tsy misy tsiny, dia ampisehoanao tsy fananan-tsiny. 26 Ny olona izay madio, dia ampisehoanao fahadiovana; fa Ianao dia mahira-tsaina amin'izay ratsy fanahy. 27 Fa Ianao manavotra ireo olona ory, ary manambany ireo izay mirehareha! 28 Fa Ianao mandrehitra ny jiroko; manazava ny haiziko Yaveh Andriamanitro. 29 Fa amin'ny alalanao no ahafahako mihazakazaka ambonin'ny sakana; amin'ny alalan'ny Andriamanitro no ahafahako mandingana rindrina. 30 Raha ny amin'Andriamanitra: tonga lafatra ny lalany. Ny tenin'i Yaveh dia madio! Ampingan'izay rehetra mialoka ao aminy Izy. 31 Fa iza no Andriamanitra ankoatr'i Yaveh? Fa iza no harambato ankoatr'i Yaveh? 32 Andriamanitra no mametraka hery amiko toy ny fehin-kibo, izay mametraka ny olona tsy misy tsiny eo amin'ny lalany. 33 Ataony haingam-pandeha toy ny diera ny tongotro ary mametraka ahy eny amin'ireo toerana avo! 34 Manazatra ny tanako ho amin'ny ady izy ary ny sandriko hamoritra ny tsipìka varahina. 35 Efa nomenao ahy ny ampingan'ny famonjenao. Efa nanohana ahy ny tananao ankavanana, ary ny fankasitrahanao dia naha-lehibe ahy. 36 Efa nanao toerana malalaka eo ambaniko ho an'ny tongotro Ianao mba tsy hampibolisatra ny tongotro. 37 Nanenjika ireo fahavaloko aho ary nahatratra azy ireo; tsy niverina aho nandra-paharava azy ireo. 38 Nopotehiko izy ireo mba tsy ahafahany miharina; efa lavo tao ambanin'ny tongotro izy ireo. 39 Fa ianao nametraka hery tamiko toy ny fehin-kibo ho amin'ny ady; nataonao ambaniko ireo izay nitsangana hanohitra ahy. 40 Nampiamboho ny vozon'ireo fahavaloko ho ahy Ianao; noringaniko ireo izay nankahala ahy. 41 Niantso vonjy izy ireo, saingy tsy nisy nanavotra azy ireo; niantso an'i Yaveh izy ireo. saingy tsy novaliany. 42 Notorotoroko madinika toy ny vovoka anoloan'ny rivotra izy ireo; nariako toy ny fotaka any an-dalana izy ireo. 43 Nanavotra ahy tamin'ny fifamalian'ny olona Ianao. Nataonao lohan'ireo firenena aho. Manompo ahy ireo olona tsy fantatro. 44 Raha vao nandre ahy izy ireo, dia nankatoa ahy; voatery niondrika teo anatrehako ireo mpivahiny. 45 Tonga am-pihorohoroana avy ao amin'ny fiarovana mafin'izy ireo ny mpivahiny. 46 Velona Yaveh; ho deraina anie ny orimbatoko. Ho asandratra anie ny Andriamanitry ny famonjena. 47 Izy ilay Andriamanitra izay namaly faty ho ahy, izay nanolotra ireo firenena ho ambaniko. 48 Afaka tamin'ireo fahavaloko aho! Eny tokoa, nampiakarinao ambonin'ireo izay nijoro hanohitra ahy ahy! Navotanao tamin'ireo lehilahy mahery fihetsika aho. 49 Noho izany dia hanome fisaorana ho anao, amin'ireo firenena aho, ry Yaveh; hihira fiderana ho an'ny anaranao aho! 50 Andriamanitra dia nanome fandresena lehibe ho an'ny mpanjakany, ary nampiseho ny fifanekem-pitokiana tamin'ilay voahosony, tamin'i Davida sy ireo taranany rahatrizay.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
"Nihira ity hira ity ho an'i Yaveh izy"
"taorian'ny namonjen'i Yaveh azy"
Ny "tanana" eto dia midika hoe ny fahefan'i Saoly> DH: "tamin'ny fahefan'i Saoly"
Davida mietny an'i Yaveh toy ny hoe vatolampy Izy. Ny teny hoe "vatolampy" dia kisarisarina toerana azo antoka.
Ny teny hoe "vatolampy" sy "fiarovana mafy" eto dia mifampizara hevitra mitovy ary manamafy fa Yaveh mamatsy fiarovana amin'ireo fahavalo.
Ny fankanesana any amin'i Yaveh hitady fiarovana dia lazaina ho fialofana ao aminy. DH: "mankany aminy hitady fialofana"
Davida miteny an'i Yaveh toy ny hoe "ampinga" Izy, "ny tandroky" ny famonjena azy, sy "fiarovana mafy" ho azy. Yaveh irery ihany no miaro azy amin'ny ratsy. Misy hevitra itovizana averimberina amin'ny fomba telo eto mba ho fanamafisana.
"ho voavonjy amin'ireo fahavaloko"
Davida milaza ny fahafatesana tahaka ny hoe olona afaka misambotra azy ary mamatotra azy amin'ny tady. DH: "efa mby novonoina aho"
Davida dia tsy afa-manoatra tahaka ny hoe nentina teo amorona ranobe mandriaka izy. DH: "nahatsapa ho tsy afa-nanoatra tanteraka aho"
Ny teny hoe "Fiainan-tsy hita", ny toeran'ny maty, sy ny "fahafatesana" dia lazaina toy ny hoe olona izay afaka mihodidina azy ary misambotra azy. Ireo fehezanteny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary averimberina ny hevitra mba ho fanamafisana. DH: "Nahtsapa voafandrika aho ary noheverina fa ho faty"
"tamin'ny fahoriana lehibe" na "tamin'ny famoizam-poko"
Davida eto dia milaza ny "antso vonjy" toy ny hoe olona afaka mankeo amin'ny fanatrehan'i Yaveh. DH: "nivavaka taminy aho"
Davida eto miteny ny fihainoan'i Yaveh ny antso vonjiny. Ny hevitra averimberina dia ho fanamafisana. DH: "naheno ny antsoko Izy"
Andriamanitra tezitra dia lazaina toy ny hoe nisy horohoron-tany nahatsiravina. DH: "Tezitra mafy Andriamanitra ka dia toy ny hoe nihorohoro ny tany"
Ny teny "nihovitra" sy "nihorohoro" dia milaza zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy ny hamafin'ny fihovitrovitry ny tany. DH: "mandroso mihemotra ny tany" na "maiaka-midina ny tany" na "nisy horohoron-tany maherivaika"
Davida miteny an'i Yaveh toy ny hoe fofonaina afo Izy. Izany dia kisarisarin'Andriamanitra rehefa tezitra.
Ny teny hoe "Izy" dia manondro an'i Yaveh.
Na dia tsy manan-tongotra aza Yaveh raha ny marina, dia omen'ny mpanao salamo endrika olombelona Izy. DH: "aizina mikitroka no teo ambaniny"
Ny Mpanao salamo eto dia miteny ny rivotra toy ny nanan'elatra tahak ny angely.
Ny teny "Izy" sy "Azy" dia manondro an'i Yaveh.
Ny aizina eto dia lazainatoy ny hoe lay. DH: "Izy nanao ny aizina ho firakotra"na "Izy nanao ny aizina ho toeram-pierena"
"rahona misy orana mavesatra" na "rahona mainty, matevina"
"vatokely vita amin'ny ranomandry"
Ny feon'i Yaveh dia re toy ny kotroka.
"ny Avo Indrindra" dia manondro an'i Yaveh.
Ireo andinateny roa ireo dia manana hevitra mitovy.
Ny fikapoky ny tselatra eto dia lazaina toy ny hoe zana-tsipìka.
"nandefa azy ireo ho amin'ny karazan-dalana samihafa"
Ny mpanoratra manohy milaza ny hery lehiben'i Yaveh.
Ireo fehezanteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. Azo atao tso-drafitra izany. DH: "Dia niseho ny fantson-drano ary niharihary ny fara-lalin'ny ranomasina; nasehonao ny fanambanin'ny tany"
Na dia tsy manana endrik'olombelona toy izay fariparitana eto aza Andriamanitra, mahery indrindra izany kisarisary izany. Ny rivotra eto dia lazaina toy ny hoe tonga tahaka ny fipoahana maherivaika eo amin'ny vavoron'Andriamanitra izany.
Ny teny hoe "Izy" eto amin'ireto andininy ireto dia manondro an'i Yaveh.
Ny mpanao salamo eto dia milaza ireo loza avy amin'ireo fahavalony toy ny hoe onja maro lehibe na rano mahery, izay tamin'izany no namonjen'i Yaveh azy.
Eto ny "izy ireo" dia manondro ireo fahavalo matanjaka ao amin'ny andininy 17.
Ny teny hoe "fahoriana" dia mamaritra toetoetran'ny olona izay manana olana maro. DH: "Fahavalo matanjaka no nanafika ahy tamin'ny andro izay nananako fahoriana, fa Yaveh niaro ahy"
Ny fananana "tanana madio" midika fa tsy manan-tsiny amin'ny fanaovan-dratsy ny olona iray. DH: "tsara avokoa ny asako rehetra"
Ny lalàn'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe lalana izay tokony alehan'ny olona. DH: "Izaho efa nankatò ny lalàn'i Yaveh" (UDB)
Ny maha ratsy eto dia lazaina toy ny hoe olona niala tamin'ny lala-marina ary nandray ny lalan-diso. DH: "tsy nanao tamim-paharatsiana amin'ny fialana tamin'Andriamanitro"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. Ny mpanoratra mamerimberina ireo hevitra ireo ho fanamafisana.
"efa nitarika ahy" na "tsaroako foana"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. Ny mpanoratra mamerimberina ireo hevitra ireo ho fanamafisana.
"tsy nanan-tsiny araka an'Azy"
"tsy nanota aho"
Ny manana "tanana madio" midika fa olona iray tsy manan-tsiny amin'ny fanaovan-dratsy. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 18:20. DH: "marina avokoa ireo asako rehetra"
Manondro ny fanatrehan'Andriamanitra izany. DH: "eo anatrehany" na "araka an'Azy"
Ny mpanoratra dia miresaka amin'i Yaveh
Ny "mahatoky' eto dia midika manao izay andidian'Andriamanitra ataon'ny olona. Azonao ambara mazava izany. DH: "Ireo izay mankatò am-pahatokiana ireo didinao" na "ireo izay manao am-pahatokiana ny fanekenao" (UDB)
Ireo fehezanteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. Mamerimberina ireo hevitra ireo ny mpanoratra ho fanamafisana.
"mampamenatra"
Ity fomba fiteny ity dia manondro ireo izay mirehareha. DH: "izay mpirehareha"
Ny mpanoratra miteny ny fanatrehan'i Yaveh toy ny hoe fahazavana Izy. Manana hevitra mitovy ireo fehezanteny roa ireo.
"Fa amin'ny fanampianao dia afaka miampita sakana rehetra aho"
Ny ampinga miaro ny miaramila. Davida miteny toy ny hoe ampinga miaro azy Andriamanitra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 3:3. DH: "Ianao, ry Yaveh, no miaro ahy tahaka ny ampinga ny olon-drehetra mialoka ao aminao."
Ny dikan'ny valinteny dia hoe tsy misy. DH: "Yaveh irery ihany no Andriamanitra! Ny Andriamanitsika ihany no vatolampy!"
Davida miteny an'i Yaveh toy ny hoe vatolampy izay azony hiainihana Izy mba hanalavirana ireo fahavalony. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 18:2.
Andriamanitra manome hery an'i Davida toy ny hoe sombin'akanjo izany.
Davida eto dia miteny ny miaina fiainana izay ankasitrahan'Andriamanitra toy ny hoe napetraka eo amin'ny lala-marina izy. DH: "manao ny olona tsy manana tsiny hiaina amin'ny fiainana marina"
Izany dia manondro ny fanaovana ny olona hihazakazaka mafy. DH: "manao ahy hihazakazaka tena mafy"
Ny diera manokana dia aingam-pandeha sy marina eny amin'ny tendrombohitra.
Ny "tanako" eto dia manondro ilay olona. DH: "Izy manazatra ahy"
Izany dia manondro ilay olona. DH: "ahy"
Ny mpanoratra eto dia miteny ny fiarovan'Andriamanitra toy ny hoe ampinga izany. Ny anarana "famonjena" dia azo ambara amin'ny matoateny "mamonjy." DH: "ny famonjenao ka namonjy ahy"
Ireo fiteny roa ireo dia sarinteny maneho an'Andriamanitra tenany.
Ny mpanoratra miteny ny fandriampahalemana izay novatsian'Andriamanitra toy ny hoe toerana mikodàna ho azy mba hitsanganana. DH: "toerana azo antoka ho ahy"
Ny "tongotro" eto manondro ilay olona. Ny mpanoratra manondro ny fandriampahaleman'Andriamanitra toy ny hoe izy nitsangana teo amin'ny toerana izay tsy mba hampibolisatra na handavo azy. DH: "tsy nampibolisatra ahy" na "hahatsara ahy"
"Notorotoroiko izy ireo" na "nopotipotehiko izy ireo"
"tsy afa-mitsangana"
Izany fomba fiteny izany dia midika fa efa nandavo ireo fahavalony ny mpanao salamo. DH: "efa nandavo azy rehetra aho"
Ny mpanao salamo miteny fa Yaveh efa nanome azy hery izay manodidina azy sy manohana tahaka ny fehin-kibo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 18:30
Ny mpanao salamo eto dia miteny ny tsy fahombiazan'ireo fahavalony toy ny hoe izy mijoro eo ambonin'izy ireo. DH: "mandavo ho ahy Ianao"
Izany dia manondro ireo izay manohitra ny ilay mpanao salamo. DH: "ireo izay fahavaloko"
Izany dia maneho fandresena eo amin'ireo fahavalon'ny olona iray. DH: "nanome ny fandresena eo amin'ireo fahavaloko"
"nandavo izay nankahala ahy aho" na "nopotehiko tanteraka izay nakahala ahy"
Izany dia midika fa tsy nanome famonjena mihitsy Yaveh. DH: "fa tsy novonjeny"
Ireo fahavalon'ny mpanao salamo dia ampitahaina amin'ny vovoka hampisehoana fa lavo tanteraka izy ireo.
Ireo fahavalon'ny mpanao salamo dia ampitahaina amin'ny fotaka eny an-dalana mba hampisehoana fa lavo tanteraka izy ireo.
"tsy fanekena" na "fifandaharana"
Ny "loha" eto dia maneho ny mpanapaka. DH: "tendreo aho ho mpanapaka amin'ny firenena marobe"
Azo atao tso-drafitra izany. DH: "Andriamanitra nanery ny hafa firenena hiankohoka"
Ny "fangovitana" eto dia maneho fa natahotra mafy izy ireo. Azo ambara mazava izany ao amin'ny fandikan-teny. DH: "ireo mpivahiny tonga amin'ny horohoro, mampiseho fa natahotra mafy izy ireo"
Izany dia azo atao tso-drafitra. DH: "Izy no vatolampiko ary tokony hoderaina" na "hidera ny vatolampiko anie ny olona"
Ny mpanoratra eto dia miteny ny fiarovan'i Yaveh toy ny hoe vatolampy Izy ary mampitandrina ireo fahavalony tsy hahatratra Azy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 18:2
Izany dia midika fa Andriamanitra no nanavotra azy. DH: "ny Andriamanitra izay nanavotra ahy"
Ny "manao valifaty" dia midika ho manafay olona amin'ny ratsy ataony. DH: "ilay Andriamanitra izay manafay ny olona amin'ny zava-dratsy nataony tamiko"
Ny fiarovan'i Yaveh ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe manandratra ny mpanoratra avo dia avo Izy ka tsy afaka mahatratra azy mba hamono ireo fahavalony. DH: "Ianao mametraka amin'ny toerana azo antoka ambony be"
"izay namely ahy" na "izay nikomy tamiko"
"lehilahy lozabe' na "lehilahy biby toetra"
Ny mpanoratra eto dia te haneho fa hisaotra an'i Yaveh izy mba handrenesan'ny olon-drehetra ny fahalehibiazan'i Yaveh. DH: "mba handrenesan'ny firenena rehetra izany"
Ny "anaranao" eto dia maneho an'Andriamanitra tenany. DH: "ho voninahitry ny anaranao" na "ho Anao"
Amin'ny fampiasana ny teny hoe "ny mpanjakany," Davida dia manendry ny tenany tahaka ny mpanjaka.
"Mitia ahy amim-pitokiana araka izay nampanantenainy ao amin'ny fanekeny Izy, ary hitia ireo taranako mandrakizay izy.
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. 1 Ny lanitra manambara ny voninahitr'Andriamanitra, ary ny habakabaka mampahafantatra ny asan'ny tanany! 2 Isan'andro isan'andro dia mipololotra ny teny; isan'alina dia manambara fahalalana izany. 3 Tsy misy lahateny na teny voalaza; tsy re ny feon'izy ireo. 4 Efa nivoaka nanerana ny tany rehetra ny tenin'izy ireo, ary any am-paran'ny tany ny lahatenin'izy ireo. Efa nanangana lay ho an'ny masoandro teo amin'ireo Izy. 5 Ny masoandro dia tahaka ny mpampakatra mivoaka avy ao amin'ny efitranony ary tahak ny lehilahy mahery izay mifaly rehefa manao ny fihazakazahany. 6 Miposaka avy any amin'ny fara-vodilanitra iray ny masoandro ary mitety ny habakabaka ho any amin'ny iray hafa; tsy misy zavatra afaka mandositra ny hafanany. 7 Tonga lafatra ny lalàn'i Yaveh, manarina ny fanahy; azo; antoka ny teny vavolombelon'i Yaveh, maha-hendry ny tsotra. 8 Mahitsy ny fampianaran'i Yaveh; mampiravoravo ny fo; madio ny didin'i Yaveh, mitondra fahazavana ho an'ny maso. 9 Madio ny tahotra an'i Yaveh, maharitra mandrakizay; marina sady mahitsy avokoa ireo didy marin'i Yaveh! 10 Sarobidy mihoatra noho ny volamena izany, eny mihoatra ny volamena tena tsara aza; mamy noho ny tantely sy ny tantely mitete avy amin'ny tohon-tantely izany. 11 Eny, amin'ny alalan'izany no hampitandremana ny mpanomponao; fa hisy valisoa lehibe amin'ny fankatoavana izany. 12 Iza no afaka mamantatra ireo fahadisoany rehetra? Diovy amin'reo heloka miafina aho. 13 Tandremo ny mpanomponareo tsy ho azon'ny ota sahisahy; aza avela hanapaka ahy ireo. Dia ho tonga lafatra aho, ary tsy hanan-tsiny amin'ny fandikan-dalàna maro. 14 Ho ekena eo imasonao anie ireo tenin'ny vavako sy ireo fihevitry ny foko, ry Yaveh, vatolampiko sy mpanavotro.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny lanitra dia soritana toy ny hoe olona. DH: "Ny lanitra mampiseho" na "Ny lanitra dia tahaka ny hanambara
Ny habakabaka dia soritsoritana toy ny hoe mpampianatra. DH: "Toa hampahaafantatra amintsika ny asan'Andriamanitra ireo habakabaka"
"ny voahariny" na "izao tontolo izao izay noforoniny"
Ny zavatra tsara endrika amin'ny voahary dia ampitahaina amin'ny fitenenana, toy ny hoe olona ny voahary. Ary ireo teny ireo dia ampitoviana amin'ny rano izay mikoriana eny rehetra eny. DH: "ny voahary dia toy ny olona iray miteny amin'ny rehetra"
Ireo andianteny ireo dia maneho mazava fa sarinteny ny andininy roa voalohany. DH: "Tsy misy lahateny na teny voalaza mitombina; tsy misy mandre ny feo marina amin'ny sofiny"
Ireo dika-teny hafa mivaky hoe "any izay tsy handrenesana ny feon'izy ireo," dia manamafy fa ny "lahatenin'" ny voahary dia malalaka na aiza na aiza.
Davida vao avy niteny fa mampiseho ny voninahitr'Andriamanitra ny voahary.
Izany dia manondro ireo "teny" tsy voalazan'ny voahary izay mampiseho ny voninahitr'andriamanitra.
Ny teny dia faritana toy ny hoe olona izany ary mivoaka miaraka amin'ny hafatra. DH: "ireo teny izay lazain'ny voahary dia tahaka ny olona mivoaka."
Ireo teny voatondro dia azo ampiana ao amin'ny fandikan-teny. DH: "hatrany am-paran'ny tany no mivoaka ny lahateniny"
Ny mpanotratra eto dia miteny ny toerana izay noharian'i Yaveh ho an'ny masoandro toy ny hoe lay. DH: "nanao toerana ho an'ny masoandro Izy"
Ny teny hoe "ireo" dia mety hoe manondro ny lanitra.
Ny mpanoratra miteny ny masoandro miposaka tahaka ny hoe mpampiakatra. DH: "Ny masoandro dia tahaka ny mpampakatra mandeha amim-pifaliana mankeo amin'ny ampiakariny"
Izany dia mampitaha ny masoandro amin'ny atleta mba hanamafisana ny hery sy hazavan'ny masoandro.
"mpihazakazaka aingam-pandeha"
Ny tendro iray hihaonan'ny tany sy ny habakabaka.
Ny "hafa" eto dia midika ny fara-vodilanitra iray hafa. Izany dia azo ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. DH: "hatrany amin'ny fara-vodilanitra iray hafa"
Izany dia azo atao amin'ny fomba mihiba. DH: "mahatsapa ny hafanany ny rehetra"
Ireo teny rehetra ireo dia manondro ny tenan'ny olona manontolo. DH: "olona"
"ireo izay tsy manana traikefa" na "ireo izay tsy mbola nianatra"
"marina" na "mety"
"mitondra fahazavan-tsaina"
"marina tanteraka"
Ireo didin'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe azo vidiana izany ary andraman-tsiro. DH: "Raha afak mividy izany ianao, dia ho sarobidy lavitra mihoatra ny volamena izany ... raha afaka manandran-tsiro ianao, dia ho mamy kokoa mihoatra ny tantely izany"
Ny teny "manan-danja" dia azo ampiana ao amin'ny fandikan-teny. DH: "eny manan-danja kokoa mihoatra ny volamena tena tsara marobe"
"volamena tsy miharo" na "volamena lafo vidy"
"Ary koa" na "tokoa"
Ny teny "izany" manondro ny didy marin'i Yaveh.
Davida miantso ny tenany hoe "ny mpanomponao" rehefa miresaka amin'Andriamanitra ho mari-panajana. DH: "ampitandremana aho"
Izany dia miendrika fanontaniana mba hanampiana fanamafisana ary azo adika ho fanambarana mafy. DH: "Tsy misy afaka mamantatra ny fahadisoany!"
"amin'ireo fahadisoana miafina vitako"
Izany fomba fiteny izany dia manao kisarisary ny mpanompo izay esorina amin'ny fahotana izay nanenenany. DH: "Ary koa, arovy ny mpanomponao amin'ny" na "Ary koa, ataovy azo antoka fa izaho tsy manao"
Davida miantso ny tenany hoe "mpanomponao" rehefa miresaka amin'Andriamanitra mba ho mari-panajana. DH: "izaho" jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 19:11
Ny fahotana dia faritana toy ny hoe mpanjaka izay afaka manapaka amin'ny olona. DH: "aza avela ho tonga mpanjaka manapaka amiko ireo fahotako"
"tsy hanan-tsiny amin'ny fikomiana Anao" na " tsy hanan-tsiny amin'ny fanaovan-keloka maro"
Ireo fomba fiteny nampiarahana ireo dia mamaritra izay rehetra lazaina na heverin'ny olona iray. DH: "ireo zavatra lazaiko sy ireo zavatra izay eritreretiko"
"mahazo fankatoavana eo imasonao" na "ankasitrahanao"
Manondro an'Andriamanitra tenany izany. DH: "eo aminao"
Ny mpanoratra milaza an'Andriamanitra toy ny hoe vatolampy izay azon'ny olona ihainihana sy hiarovan-tena amin'ireo fahavalony Izy. DH: "Yaveh o, toy ny vatolampiko Ianao"
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. 1 Hanampy anao amin'ny androm-pahorianao anie Yaveh; ny anaran'Andriamanitr'i Jakoba anie hiaro anao 2 ary handefa fanampiana avy amin'ny toerana masina mba hanohanana anao avy ao Ziona. 3 Ho tsaroany anie ireo fanatitrao rehetra ary ho ekeny anie ny soronao dorana. Sela 4 Hanome anao izay irian'ny fonao anie Izy ary hanatanteraka ireo fikasanao rehetra. 5 Dia hifaly amin'ny fandresenao izahay, ary amin'ny anaran'Andriamanitray, no hanangananay faneva. Hanome izay fangatahanao rehetra anie Yaveh. 6 Fantatro ankehitriny fa hanavotra ny olom-boahosony Yaveh; hamaly azy avy any an-daniny masina amin'ny herin'ny tanany havanana izay afaka manavotra azy Izy. 7 Ny sasany mitoky amin'ny kalesy ary ny hafa amin'ny soavaly, fa izahay dia niantso an'i Yaveh Andriamanitray. 8 Ho entina midina izy ireo ka ho lavo, fa isika dia hiarina ary hijoro mahitsy! 9 Ry Yaveh, vonjeo ny mpanjaka; ampio izahay raha miantso.
Ity Salamo ity dia manomvboka amin'ny vondron'olona miteny amin'ny mpanjakan'Israely.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny teny hoe "ianao" eto amin'ity Salamo ity dia maniondro ny mpanjaka.
Ny "andro" eto dia midika fotoana ela tokoa. DH: "fotoam-pahoriako"
Ny "anarana" eto dia midika an'Andriamanitra tenany. DH: "ny Andriamanitra"
Izany dia manondro an'i Jakoba razamben'izy ireo, izay nanompio an'i Yaveh.
Andriamanitra mamonjy avy amin'ny fitoerany masina dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra no nandefa famonjena. DH: "hamonjy anao anie Yaveh avy amin'ny fitoerany masina"
Ireo roa ireo dia samy manondro ny tempolin'Andriamanitra ao Jerosalema.
Ny teny hoe "hahatsiaro" tsy midika fa manadino Andriamanitra. MIdika izany ho fiahiana na fiheverana.
Ny teny hoe "Izy" dia manondro an'i Yaveh.
Ity dia mety ho fomba ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 3:1
"hamatsy"
Ny "fo" eto dia midika ny tenan'ilay olona manontolo. Ny anarana "faniriana" dia azo ambara ho matoanteny. DH: "izay irianao" na "izay tianao"
Ny anarana "fikasana" dia azo ambara ho matoanteny. DH: "Izy anie hanatanteraka izay rehetra kasainao hatao"
Ny "izahay" eto dia manondro ny vahoaka. Hifaly amin'ny fandresen'ny mpanjaka izy ireo.
Ny "anarana" eto dia midika voninahitra na laza. DH: "amin'ny voninahitr'Andriamanitray" na "ho an'ny lazan'Andriamanitray"
"hanangananay saina" na "hanandratanay faneva"
"hanome anao izay rehetra angatahanao aminy"
Io teny io eto dia ampiasaina ho mari-piatoana ao amin'ny salamo. mampiampita ny fitenenan'ny vahoaka mankany amin'ny fitenenan'ny mpanjaka izany.
Ny mpisolo tena tampisaka "o" dia mety ho manondro ny mpanjaka izay miteny eto amin'ity ampahany ity.
Ny mpanjaka dia miresaka momba ny tenany amin'ny mpisolotena fahatelo. Izany dia azo ambara amin'ny mpisolotena voalohany. DH: "izaho, olom-boahosony ... hamaly ahy ... manavotra ahy"
Andriamanitra dia monina any an-danitra ary koa ao an-tempolin'i Jerosalema.
Ny tanana ankavanan'Andriamanitra dia amneho ny heriny hanavotra ny mpanjaka. DH: "amin'ny heriny lehibe dia hamonjy azy Izy.
Ny "kalesy" sy "soavaly" eto midika ny tafiky ny mpanjaka.
Azo tsara ny teny hoe "mitoky." DH: "ary ny hafa mitoky amin'ny soavaly"
Eto ny "izahay" dia manondro ny mpanjaka sy ny vahoakany.
Ny "izahay" eto dia manondro ny mpanjaka sy ny vahoakany.
Ireo matoenteny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. ny dikan'izany dia resy amin'ny ady.
"Hiarina izahay ary hijoro mahitsy."
Ireo mety ho dika-teny dia 1) ny vahoaka miantso an'Andriamanitra hiaro ny mpanjaka (UDB) na 2) ny mpanjaka manohy miteny momba azy amin'ny mpisolo anarana fahatelo.
Misy amin'ireo fandikan-teny mahatakatra ny Hebreo amin'ny fahasamihafana. Misy mandika izany ho ny vahoaka miteny amin'i Yaveh ho mpanjakany. DH: "Mpanjaka o, ampio izahay raha miantso Anao"
1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Mifaly amin'ny herinao ny mpanjaka, ry Yaveh! Akory ny halehiben'ny fifaliany amin'ny famonjena nomenao! 2 Nomenao azy ny fanirian'ny fony ary tsy nolavinao ny fangatahan'ny molony. Sela 3 Fa mitondra fitahiana be ho azy Ianao; nametraka satro-boninahitra volamena madio indrindra teo an-dohany Ianao. 4 Nangataka aina taminao izy; dia nomenao azy izany; nomenao andro maro mandrakizay doria izy. 5 Lehibe nohon'ny fandresenao ny voninahiny; efa nanome famirapiratana sy ny voninahitra ho azy Ianao. 6 Fa manome antoka fitahiana maharitra ho azy Ianao; mampiravoravo azy amin'ny fifalian'ny fanatrehanao Ianao. 7 Fa matoky an'i Yaveh ny mpanjaka; amin'ny alalan'ny fanekena mahatokin'ny Avo Indrindra no tsy hanalana azy. 8 Hisambotra ireo fahavalonao rehetra ny tananao; hisambotra ireo izay mankahala anao ny tananao havanana. 9 Amin'ny fotoan'ny fahatezeranao, dia handoro azy ireo ao amin'ny lafaoro mirehitra Ianao. 10 Handevona azy ireo ao amin'ny fahatezerany i Yaveh, ary handevona azy ireo ny afo. Hamotika ny zanak'izy ireo amin'ny tany sy ny taranak'izy ireo eo anivon'ny olombelona Ianao. 11 Fa nikasa hanisy ratsy anao izy ireo; namolavola teti-dratsy izay tsy hahombiazany izy ieo! 12 Fa hampiamboho azy ireo Ianao; hamoaka ny tsipikanao eo anoloan'izy ireo ianao. 13 Misandrata, ry Yaveh, amin'ny herinao; hihira sy hidera ny herinao izahay.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Izany dia midika fa ny herin'i Yaveh no efa nanome ny mpanjaka handavo ireo fahavalony. DH: "satria Ianao, Yaveh o, no efa nanao azy ho mahery ampy handavo ireo fahavalony"
"Mifaly loatra izy"
Izany midika fa Andriamanitra namonjy ny mpanjaka tamin'ny fahavalony. Ny anarana "famonjena" dia azo ambara ho matoanteny. DH: "satria Ianao namonjy azy tamin'ny fahavalony"
"ny fony maniry>" Ny "fo" eto dia midika ho ilay olona manontolo. DH: "ny faniriany" na "izay zavatra niriany"
"tsy nandà azy Ianao." Izany dia azo ambara amin'ny fomba mihiba. DH: "Ianao efa nanome azy"
Ny "molotra" eto dia midika ilay olona manontolo. DH: "ny fangatahany" na "izay nangatahany taminao"
Ity dia mety ho fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 3:1
Ny anarana "fitahiana" dia azo ambara ho matoanteny. DH: "Ianao mitahy azy be" na "Ianao manome azy zava-tsoa maro be"
Ny mametraka satro-boninahitra eo amin'ny lohan'olona dia mariky ny fanaovana azy ho mpanjaka.
Ny "volamena madio indrindra" eto dia maneho ny voninahitra lehibe omena ny mpanjaka.
Ny teny hoe "aina" dia azo avadika ho matoanteny. DH: "Nangataka izy ny mba hanaovanao azy hiaina amin'ny fotoana maharitra; Ianao no nampisy izany"
Ireo mety ho heviny dia 1) fiainana tena lava na 2) fiainana mandrakizay na 3)fitohizan'ny taranaka ho lava
"Ny voninahitry ny mpanjaka" na "Ny lazan'ny mpanjaka"
"Ianao efa nampitoetra taminy ny famirapiratana sy voninahitra." Ny fanaovana ny mpanjaka ho mpanan-karena sy matanjaka dia lazaina toy ny hoe ny famirapiratana sy voninahitra dia napetraka teo aminy. DH: "Ianao nanao azy ho mpanan-karena sy mahery"
"mamela azy hanana Ianao" na "manaiky ny hanome azy Ianao"
"fitahiana izay haharitra" na "fitahiana izay hitoetra"
"ny hafaliana amin'ny eo amin'ny fanatrehanao" na ny hafaliana izay avy aminao rehefa eo akaikinao"
"satria ny Avo Indrindra dia mahatoky amin'ny fanekeny"
Ny "tanana" eto dia midika fahefana. DH: "Ny fahefanao hisambotra" na "HIsambotra amin-kery Ianao"
Ireo mety ho hevitry ny fisehon'ny "anao" sy ny "ianao" rehetra dia 1) manondro ny mpanjaka izany na 2) manondro an'Andriamanitra izany.
Izany dia midika zavatra mitovy tahaka ny tamin'ny ampahany voalohany amin'ny fehezanteny. Manamafy izany fa Andriamanitra dia hanome ny mpanjaka fahefana hanatsahatra ireo fahavalaony.
"Rehefa miseho amin-katezerana Ianao"
Ireo mety ho hevitry ny fisehon'ny "anao" sy ny "ianao" rehetra dia 1) manondro ny mpanjaka izany na 2) manondro an'Andriamanitra izany.
Yaveh na ny mpanjaka mamotika ireo fahavalony dia lazaina toy ny hoe hazo ireo fahavalony ary Yaveh na ny mpanjaka hanipy azy ireo ao amin'ny lafaoro mirehitra.
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra mitovy. Yaveh mamotika tanteraka ireo fahavalony dia lazaina toy ny hoe afo ny fahatezerany ary mandevona tanteraka ireo fahavalony.
Ireo andianteny roa ireo midika zavatra mitovy. Manamafy izany fa tsy hisy amin'ireo fahavalony mihitsy ho afa-bela.
"Izy ireo nanao drafitra." Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo fahavalon'Andriamanitra sy ny mpanjaka.
"manao zava-dratsy aminao"
"izy ireo nanao tetika" na "izy ireo namorona teti-dratsy"
Ireo mety ho heviny ho an'ny "ianao" sy "anao" dia 1) manondro ny mpanjaka izany 2) manondro an'Andriamanitra izany ary milaza momba Azy toy ny hoe mpiady miaraka amin'ny tsipìka sy zana-tsipìka.
Izany dia fomba fiteny fa Andriamanitra sy ny mpanjaka handavo ireo fahavalony ao amin'ny ady.
Midika izany fa handefa ny zana-tsipìkany amin'ireo fahavalony Izy.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Yaveh o, ampisehoy anay fa tena mahery ianao" (UDB) na 2) "Yaveh o, satria mahery Ianao dia hanandratra Anao izahay"
Ny teny hoe "hihira" sy "hidera" dia mifampizara hevitra mitovy. Ny teny "hery" eto dia midika an'Anbdriamanitra sy ny heriny. DH: "amin'ny fihirana no hideranay Anao satria mahery Ianao"
Ho an'ny mpiventy hira; natao tamin'ny "Gadon'ny Diera." Salamo nataon'i Davida. 1 Andriamanitro o, Andriamanitro o, nahoana no nandao ahy Ianao? Nahoana no lavitra loatra amin'ny famonjena ahy Ianao ary lavitra amin'ireo tenin'ny fangirifiriako? 2 Andriamanitro o, nitaraina taminao aho ny atoandro, nefa tsy novalinao, ary ny alina dia tsy nangina aho! 3 Kanefa masina Ianao; mipetraka tahaka ny mpanjaka amin'ny fideran'ny Israely Ianao. 4 Natoky Anao ireo razambenay; natoky Anao izy ireo, ka novonjenao. 5 Nitaraina taminao izy ireo ka novonjena. Natoky Anao izy ireo ka tsy diso fanantenana. 6 Nefa kankana aho fa tsy mba olona, fahafaham-baraka ho an'ny olombelona ary nataon'ny olona tsinontsinona. 7 Ireo rehetra izay mahita ahy dia miteny ratsy ahy; esoin'izy ireo aho; ary manifikifi-doha amiko izy ireo. 8 Hoy izy ireo: "Matoky an'i Yaveh izy; aoka hanavotra azy Yaveh. Aoka Izy hanavotra azy, fa ankasitrahiny izy." 9 Fa ianao no nitondra ahy avy tao am-bohoka; nataonao matoky Anao aho fony teo an-tratran-dreniko. 10 Natsipy taminao hatrany am-bohoka aho; Ianao no Andriamanitro hatramin'izaho tao an-kibon-dreniko! 11 Aza manalavitra ahy, fa akaiky ny fahoriana; tsy misy olona hanampy ahy. 12 Manodidina ahy ny ombilahy maro, manodidina ahy ny ombilahy masiakan'ny Basana. 13 Hampitanatana ny vavany amiko tahaka ny liona mierona mandrapaka ny hazany ireo. 14 Nararaka tahaka ny rano aho, ary nipitsoka ny taolako rehetra. Tahaka ny savoka ny foko; miempo ao anatiko izany. 15 Maina tahaka ny vilany tany ny heriko; miraikitra amin'ny lanilaniko ny lelako. Nampandry ahy teo amin'ny vovoky ny fahafatesana Ianao. 16 Fa nanodidina ahy ny alika; efa mihodidina ahy ny vondron'ny mpanao ratsy; noloahan'izy ireo ny tanako sy ny tongotro. 17 Voaisako ny taolako rehetra. Mijery sy nandinika ahy izy ireo. 18 Nozarain'izy ireo teo aminy ireo fitafiako; nilokan'izy ireo ny akanjoko. 19 Aza manalavitra ahy, ry Yaveh; faingàna re hanavotra ahy, ry heriko! 20 Avoty amin'ny sabatra ny fanahiko, ny hany fiainako amin'ny andian'ambodia. 21 Vonjeo amin'ny vavan'ny lipna aho; avoty amin'ny tandroky ny ombidia aho 22 Hanambara ny anaranao amin'ireo rahalahiko aho; eo afovoan'ny fiangonana no hiderako Anao. 23 Ianareo izay matahotra an'i Yaveh, miderà Azy! Ianareo taranak'i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy! Mijoroa am-pitalanjonana Aminy, ianareo taranak'Israely rehetra. 24 Fa tsy nanao tsinontsinona na nankahala ny fijalian'ny olona ory Izy; tsy nanafina ny tavany taminy Yaveh; raha nitaraina taminy ilay olona ory, dia nandre Izy. 25 Ny fiderako dia ho noho Ianao ao am-piangonana lehibe; hanatanteraka ireo voadiko anoloan'ireo izay matahotra Azy aho. 26 Ny ory dia hihinana ha ho afa-po; ireo izay mitady an'i Yaveh hidera Azy. Ho velona mandrakizay anie ny fonareo. 27 Hahatsiaro ary hiverina amin'i Yaveh ireo vahoaka rehetra amin'ny tany; hiankohoka eo anatrehanao ireo fianakaviam-pirenena rehetra. 28 Fa an'i Yaveh ny fanjakana; Izy no mpanapaka ireo firenena. 29 Ny olona mpanan-karena rehetra dia hiravoravo sy hidera; hiankohoka eo anatrehanao ireo rehetra izay hody vovoka, ireo izay tsy afaka miaro ny ain'izy ireo. 30 Ny taranaka ho avy dia hanompo Azy, hilaza amin'ny taranaka manaraka ny amin'ny Tompo izy ireo. 31 Ho tonga izy ireo ary hilaza ny fahamarinany; hilaza amin'ny olona mbola tsy teraka izay efa nataony izy ireo!
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Izany dia mety manondro fomba ara-mozikaly
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny mpanoratra mamerimberina ny "Andriamanitro o" mba hanamafisana fa maniry mafy ny handre an'Andriamanitra izy.
Ny mpanoratra mampiasa fanontaniana mba hanamafisana fa toy ny mahatsapa nilaozan'Andriamanitra izy. Azo atao fanambarana koa izany. DH: "Andriamanitro o, toa mahatsapa aho fa nandao ahy Ianao!"
"Namela ahy ho irery tanteraka Ianao"
Mampiasa fanontaniana indray ny mpanoratra mba hanamafisana fa toa mahatsapa lavitra an'Andriamanitra izy. Ny tsara indrindra angamba dia ny mamela io hijanona fanontaniana hatrany. Azo avadika fanambarana ihany koa izany. DH: "Lavitry ny famonjena ahy Ianao ary lavitry ny tenin'ny fangirifiriako!"
Ilay mpanoratra mahatsapa toy ny tsy henoin'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra lavitra ny tenin'ny fangirifiriany. Ny "teny" eto dia midika izay lazain'ny mpanoratra. DH: "nahoana Ianao no tsy mihaino ahy rehefa miteny aminao momba ny fangirifiriana tsapako aho" na "Efa nolazaiko taminao ny momba ny fanaintainako fa tsy mba nanatona ahy Ianao"
Ny mpanoratra mampiasa ny teny hoe "atoandro" sy "alina" izay midika hoe mivavaka amin'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra izy.
Azo ato amin'ny endrika mihiba izany. DH: "miteny hatrany aho"
"ny fideran'ny Israely dia ny seza fiandrianana izay itoeranao ho mpanjaka." Ny fideran'ny Israely dia faritana toy ny hoe seza fiandrianana izay hahafahan'Andriamanitra mitoetra sy manapaka, na toy ny trano izay ahafahan'Andriamanitra monina. DH: "Ianao no mpanjaka ary ny vahoakan'Israely midera Anao"
Ny "Israely" eto dia midika ireo vahoakan'Israely.
Azo atao tso-drafitra izany. DH: "ary Ianao tsy mba nandiso fanantenana azy ireo"
Azo atao amin'ny endrika mihiba izany. DH: "ka Ianao namonjy azy ireo" na "ary Ianao nanao azy ireo izay nilainy hataonao"
Ny mpanoratra miteny ny tenany toy ny hoe kankana izy. Manamafy izany fa mahatsiaro tsy manam-bidy na ny olona no manao azy ho toy ny tsy misy vidiny. DH: "Nefa aho dia tahaka ny kankana fa tsy mba olona"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Ny andianteny hoe "nataon'ny olona tsinontsinona" dia azo atao tso-drafitra. DH: "ny rehetra mihevitra fa tsy misy dikany aho ary mankahala ahy ny olona"
Ireo andianteny telo ireo dia mifampizara hevitra mitovy ary manamafy ny haben'ny tsy fanajan'ny olona azy.
Mamaritra fihetsika hanesoana olona izany.
Miteny ity ny olona mba hanesoana ny mpanoratra. Tsy mino marina izy ireo fa Yaveh hamonjy azy.
"Avelao Yaveh hanavotra azy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "fa Yaveh mankasitraka azy" 2) "fa izy mifaly ao amin'i Yaveh"
Ny mpanoratra mampiasa ny teny hoe "Fa" hanombohana manazava ny nahatonga azy very hevitra ka manontany an'Andriamanitra hoe nahoana Izy no tsy tonga hamonjy.
Io dia fomba ilazana hoe "Ianao nanao ahy ho teraka."
Ity dia midika fa nitoky tamin'i Yaveh hatrany izy hatramin'ny fahakeliny. DH: "eny fa na dia tamin'ny fotoana aho mbola ninono tamin'ny tratran-dreniko"
Ny andianteny "nankinina tamin'ny" dia fomba ilazana fa Yaveh no efa niahy azy toa Yaveh nanangana azy ho zanany. Azo atao tso-drafitra izany. DH: "Toy ny hoe natsanganao marina aho fony aho vao teraka" (UDB)
Izany midika fa Yaveh dia efa niahy ny mpanoratra foana. DH: "Ianao, Andriamanitra o, no efa niahy ahy"
"hatramin'ny izaho vao teraka"
Azo atao amin'ny endrika mihiba izany. DH: "manatòna akaiky ahy"
Ny mpanoratra miteny momba ny "fahoriana" toy ny hoe zavatra izay akaiky azy izany. DH: "fa akaiky ahy ireo fahavaloko"
"tsy misy mpamonjy"
Ny mpanoratra miteny momba ireo fahavalony toy ny hoe ombilahy. Izany dia manamafy fa mampidi-doza sy maherivaika tokoa ireo fahavalony. DH: "Manam-pahavalo maro aho ary toy ny ombilahy mihodidina ahy izy ireo; Tahaka ny ombilahy mahery avy any Basana izay manodidina ahy izy ireo"
Ny mpanoratra miteny momba ireo fahavalony toy ny hoe liona mampitanatana vava vonona handrapaka azy. Mety hilaza lainga hanamavoana azy ireo fahavalony. Na koa mety hoe mandrahona azy izy ireo ary hamely azy.
Ny mpanoratra miteny momba ireo fahavalony toy ny hoe liona izy ireo. Izany dia manamafy fa mampidi-doza sy maherivaika tokoa ireo fahavalony.
Ny mpanoratra miteny momba ny fahatsapana reraka tenteraka sy malemy toy ny hoe rano araraka avy ao anaty siny.
"miala amin'ny fitoerany avokoa ireo taolako." Angamba ao anaty karazana fangirifiriana amin'ny nofo ny mpanoratra. Na mety miteny fanaintainana ara-pihetsem-po izy toy ny hoe fangirifiana ara-nofo.
Singa malefaka miempo amina hafanana ambany.
Ny mpanoratra miteny momba ny tsy fananana faharisihana intsony toy ny hoe ny fony miempo tahaka ny savoka. Ny "fo" eto dia midika "faharisihana."
"ny ao anatiko ao"
Ny mpanoratra miteny momba ny fahatsapana malemy toy ny hoe ny heriny tahaka ny vilany tany maina izaymora vaky.
Zavatra vita amin'ny tanimanga nandrahoana izay azo ampiasaina ao an-trano.
"miraikitra ao amin'ny tampon'ny vavako ny lelako." Mety hoe mamaritra ny hetahetany ivelany ny mpanoratra. Na angamba izy manohy miresaka momba ny maha malemy toy ny hoe izy maina tanteraka.
Ireo mety ho hevitry ny hoe "vovoky ny fahafatesana" dia 1) manodnro olona mivadika ho vovoka aorian'ny fahafatesana izany. DH: "Mby hamela ahy ho faty Ianao ka hody vovoka" na 2) fomba itenenana momba ny fasana izany, izay midika fa Andriamanitra no manao ny mpanoratra ho faty. DH: "Nampandry ahy ao amin'ny fasako Ianao"
Ny "Ianao" dia manondro an'Andriamanitra.
Ny mpanoratra miresaka momba ireo fahavalony toy ny hoe alika izy ireo. Ireo fahavalony dia manatona azy akaiky tahaka ny ataon'ny alikadia amin'ny biby maty. DH: "Ireo fahavaloko dia tahaka ny alika mihodidina ahy"
"fikambanan'ny mpanao ratsy" na "andian-jiolahy mpanao ratsy"
Io dia mitohy amin'ny sarintenin'ny alika. Ny mpanoratra miresaka momba ireo fahavalony toy ny hoe alika izy ireo ary manaikitra sy mandoaka ny tanany sy ny tongony amin'ny nifin'izy ireo.
nanindrona zavatra amina zava-maranitra.
Ireo mety ho heviny dia 1) ny mpanoratra dia tena mahia ka afaka mahita ny taolany. DH: "Afaka mahita ireo taolako rehetra aho" na "Afaka mahatsapa ny taolako tsirairay aho" na 2) manohy ny sarintenin'ny alika izany ary afaka mahita ireo taolany ny mpanoratra aorian'ny famiraviran'ny alika ny nofony.
Ny teny hoe "mijery" sy "mandinika" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy fa hafahafa fijery aminy ny olona ary maneso azy.
Azo atao amin'ny endrika mihiba izany. DH: "manatòna tena akaiky"
Ny "hery" eto midika fa Yaveh no manome azy hery. DH: "Ianao izay manome ahy hery" na "Ianao izay mamonjy ahy"
Ny "fanahiko" eto dia midika ilay olona manontolo. DH: "Avoty aho"
Ny sabatra dia fomba itambarana hanondroana fahavalo maherisetra. DH: "ireo izay mitady hamono ahy" na "ireo fahavaloko"
"ny aiko sarobidy" na "ny hany aina ananako"
Ny mpanoratra miresaka momba ireo fahavalony toy ny hoe alika, liona, sy ombidia mba hanamafisana fa mampidi-doza ireo fahavalony. Ary koa, ny rangotra, vava, ary tandroka midika ireo biby ho manontolo ao amin'ny fibangoan-teny. Ny mpanoratra manamafy ireo singa amin'ny biby ireo satria isan'ny singa amin'ny biby izay ampiasainy hamonoana olona ireo.
Ny teny hoe "dia" eto dia midika fa mbola tsy nisy afaka nisambotra sy namolaka ilay biby.
"Hampahafantatra ny anaranao aho." Ny "anarana" eto midika ny toetra na lazan'Andriamanitra. DH: "Hiresaka momba ny toetranao aho"
Ny "rahalahy" eto midika "ireo Israelita namako" (UDB) na "ireo mpanompon'i Yaveh namako"
"rehefa miara-miangona izaho sy ireo Israelita namako" na "rehefa manodidina ahy ireo mpanompon'i Yaveh namako"
samy milaza vondron'olona mitovy ireo roa ireo.
"Mbà feno fitalanjonana Aminy" na "Aoka hampagaga anao ny herin'Andriamanitra"
Azo atao amin'ny fomba mihiba izany. DH: "nankasitraka sy nanome lanja Izy"
"ny fijaliana" eto dia midika ilay olona izay mijaly. DH: "tsy nanao tsinontsinona na nankahala ny olona mijaly Izy"
Midika zavatra mitovy ireo teny roa ireo ary mabnamafy fa Andriamanitra tsy mba nanadino ny mpanoratra.
"nankahala"
"nanala baraka"
Azo ambara izany mba hanondro izay olona mijaly. DH: "ireo izay mijaly ... tamin'izy ireo ... ireo mijaly mitaraina"
Fomba fiteny io. DH: "tsy nanala ny fifantohany" na "tsy nandingana"
"nihaino Izy." Midika io fa namaly Izy raha nandre ny tomanin'izy ireo. DH: "namaly Izy" na "namonjy Izy"
Ny "Ianao" eto dia manondro ana'i Yaveh.
Izany dia manondro ireo sorona nampanantenain'ny mpanoratra hatolotra ho an'Andriamanitra.
Ny "Azy" eto dia manondro an'i Yaveh. Azo ambara ho "Anao" izany. DH: "eo amin'ny fanatrehan'izay matahotra Anao"
Io dia manondro ny sakafom-piombonana izay atao aorian'ny mpanoratra manolotra ho an'Andriamanitra ny sorona nampanantenainy. Hanasa ireo izay mijaly Izy hihinana sombiny amin'ilay biby nataony sorona.
Ireo izay te hahalala an'i Yaveh sy mifaly aminy dia lazaina toy ny hoe tena miezaka ny hahita an'i Yaveh tokoa izy ireo.
Ny "fo" eto dia maneho ilay olona manontolo. DH: "ianareo anie ho velona mandrakizay"
Ny fanombohana ny hankatò an'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe ny olona tenany mihitsy no mitodika any amin'i Yaveh. DH: "hahatsiaro an'i Yaveh ka hankatò Azy"
Izany dia midika zavatra mitovy amin'ny tapany voalohany amin'ny fehezanteny. Manamafy ny mpanoratra fa ny olon-drehetra avy amin'ny toerana rehetra dia hanompo sy hankatò an'i Yaveh.
Ity dia marika natao ho fanomezam-boninahitra sy fanajana olona.
Ny "Anao" eto dia manondro an'i Yaveh. Azo adika amin'ny mpisolo anarana fahatelo izany mba hifandraika amin'ny tapany voalohany amin'ny fehezanteny. DH: "eo anoloany"
"Fa an'i Yaveh ny fanjakana." Eto ny "fanjakana" maneho ny fanapahan'Andriamanitra amin'ny maha mpanjaka. DH: "Fa Yaveh no mpanjaka" (UDB)
Eto ny "firenena" dia maneho ny vahoakan'ny firenena. DH: "Izy manapaka ny vahoakan'ny firenena"
Ny vahoaka hiara-hihinana ao amin'ny fanasana. DH: "hiara-hihinana" na "hiara-hihinana sakafom-panasana"
Ireo andianteny roa ireo dia manondro vondrona mitovy ihany. Samy manondro ny olon-drehetra ireo satria ho faty avokoa ny olon-drehetra.
Eto "vovoka" dia maneho ny fasana. Ny andianteny "hody vovoka" dia fomba hanondroana olona maty. DH: "Ireo izay maty"
"izay tsy afaka mamonjy ny ain'izy ireo" na "izay tsy afaka mihazona ny tenany amin'ny fahafatesana"
Ny "taranaka" dia maneho ny olona amin'izany taranaka izany. DH: "ny olon'ny taranaka mandimby" na "ny zanak'izy ireo"
"momba ny Tompo" na "momba izay efa nataon'ny Tompo"
Ny anarana hoe "fahamarinana" dia azo ambara ho mpamaritoetra. DH: "Lazao amin'ny olo-marina ireo zavatra izay efa nataony"
1 Salamo nataon'i Davida. 1Yaveh no mpiandry ahy; tsy hanan-java mahory aho. 2 Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitarika ahy amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy. 3 Mamerina ny aiko Izy; mitarika ahy any amin'ny lala-marina noho amin'ny anarany Izy. 4 Na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra loza aho fa momba ahy Ianao; ny tsora-kazonao sy ny tehinao no mahafa-tahotra ahy. 5 Manomana latabatra eo anoloako eo anatrehan'ireo fahavaloko Ianao; efa nanosotra diloilo ny lohako Ianao; ny kapoakako dia feno mihoatra. 6 Fahatsarana sy fanekena mahatoky tokoa no hanaraka ahy amin'ny androm-piainako rehetra; ary hitoetra ao an-tranon'Yaveh mandritra ny fotoana ela aho!
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny mpanoratra miresaka momba an'i Yavehtoy ny hoe mpiandry ondry Izy. Izany dia manamafy fa Andriamanitra miahy ny olona toy ny mpiandry ondry miahy ireo ondriny. DH: "Yaveh dia tahaka ny mpiandry ondry amiko" na "Yaveh miahy ahy toy ny mpandry ondry miahy ny ondriny"
Azo atao amin'ny fomba mihiba izany. DH: "manana ny zavatra ilaiko rehetra aho" (UDB)
Ny mpanoratra miresaka ny momba azy toy ny hoe ondry izy, ary momba an'i Yaveh toy ny hoe mpiandry ondry. DH: "Manome ahy fitsaharana tahaka ny mpiandry ondry mitarika ny ondriny handry amin'ny ahi-maitso Izy"
Ny mpanoratra miresaka momba azy toy ny hoe ondry izy, ary momba an'i Yaveh tahaka ny hoe mpiandry ondry. DH: "Mamatsy izay ilaiko tahaka ny mpiandry ondry mitarika ny ondriny amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.
"rano tony" na "rano mikoriana moramora." Azo antoka izany rano izany raha sotroina.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ity midika fa Andriamanitra manao ny olona izay tsy manan-kery sy reraka ho mahery ary mitsahatra indray.
Ny fampisehoana olona ny fomba fiaina araka an'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe mpiandry ondry mampiseho ho an'ny ondry ny lala-marina hizorana. DH: "Mampiseho ahy ny fomba fiaina marina Izy"
Ny andianteny hoe "ny anarany" eto dia manondro ny lazany. DH: "ho an'ny lazany" na "mba hanomezan'ny olona voninahitra Azy"
Ity salamo ity dia manohy manambara momba an'Andriamanitra miahy antsika toy ny mpiandry ondry miahy ny ondriny.
Ny mpanoratra mamaritra olona iray mandalo fahoriana mahatsiravina tahaka ny hoe ondry mandeha amin'ny aizina sy havoana mampidi-doza. Ary mety ho very any ilay ondry na asian'ny bibidia. DH: "Na dia tahaka mandeha amin'ny aizina sy havoana mampidi-doza aza ny fiainako"
Ny anarana hoe "loza" dia azo ambara ho matoanteny. DH: "Tsy hatahotra izay zavatra hamely ahy aho"
Eto ny "Ianao" dia manondro an'i Yaveh.
Ny tsora-kazo sy tehina maneho fiarovana satria mampiasa ireo ny mpiandry ondry hiarovana ny ondriny amin'ny loza. DH: "Tsy hatahotra aho satria Ianao miaro ahy tahaka ny mpiandry ondry miaro ny ondriny amin'ny tsora-kazo sy tehina"
Izao ny mpanoratra dia manambara ny hoe ahoana Andriamanitra no tahaka ny olona izay mandray vahiny ao an-tranony ary miaro azy.
Ny latabatra dia maneho hanim-py satria ny olona nametraka ny sakafo rehetyra teo ambony latabatra.
Ny heviny eto dia ny mpanoratra tsy mba manahy ny amin'ireo fahavalony satria izy dia vahin'Andriamanitra omem-boninahitra ary dia voaaro amin'ny loza. DH: "na dia eo aza ny fanatrehan'ireo fahavaloko"
Indraindray ny olona mametraka diloilo eo amin'ny lohan'ireo vahininy mba hanomezam-boninahitra azy ireny.
Eto ny kapoakan-divay izay mitobaka be dia maneho fitahiana marobe. DH: "Ianao mameno loatra ny kapoakako ka mitobatobaka izany" na "Ianao manome ahy fitahiana marobe"
Yaveh tsara sy mahatoky amin'olona dia lazaina toy ny hoe fahatsarana sy famindram-po dia zavatra manaraka ny olona iray. DH: "Ho tsara sy mamindra fo amiko tokoa Ianao"
Ny anarana hoe "fiainana" dia azo ambara ho matonateny. DH: "raha mbola miaina koa aho" (UDB)
Ireo mety ho heviny dia 1) manondro ny fonenana mandrakizain'i Yaveh ity, na 2) manondro ny tempolin'i Yaveh ao Jerosalema. Raha mety, dia adikao ity mba ho fantatra avokoa ireo hevitra roa ireo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "mandrakizay" na 2) "raha mbola miaina koa aho."
Salamo nataon'i Davida. 1 An'i Yaveh ny tany, sy izay mameno azy, izao tontolo izao, sy izay rehetra monina ao. 2 Fa efa hitany teo ambonin'ireo ranomasina izany ary naoriny teo amin'ireo renirano. 3 Iza no hiakatra amin'ny tendrombohitr'i Yaveh? Iza no hijoro ao amin'ny toerany masina? 4 Izy izay manana tanana madio sy fo madio; izay tsy nanandratra lainga, ary tsy nianiana fianianana mba hamitahana. 5 Handray fitahiana avy amin'i Yaveh izy ary fahamarinana avy amin'Andrimanitry ny famonjena azy. 6 Tahaka izany no taranak'ireo izay mitady Azy, ireo izay mitady ny endrik'Andriamanitr'i Jakoba. Sela 7 Asandrato ny lohanareo, ianareo ry vavahady; misandratra, ry varavarana mandrakizay, mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra! 8 Iza no Mpanjakan'ny voninahitra? Yaveh, matanjaka sy mahery; Yaveh, mahery amin'ny ady. 9 Asandrato ny lohanareo, ianareo ry vavahady misandrata, ry varavarana mandrakizay, mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra! 10 Iza no Mpanjakan'ny voninahitra? Yaveh Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra. Sela
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Eto ny hoe "nampitoetra izany teo ambonin'ireo ranomasina" sy "nanorina izany teo ambonin'ireo ony" midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Ny Hebreo tamin'izany andro izany nino fa ny ranomasimbe sy ny ony ambany tany lalina no manohana ny tanin'izy ireo. DH: "Fa Izy nanorina ny fanambanin'izany teo ambony ranomasina ary nanangana izany tao amin'ny rano lalina"
Ireo andianteny ireo no miraka ampiasaina hanondroana ny ranomasimbe lalina sy midadasika ambany tany.
"ny rano izay lalina ao ambany ao" (UDB)
Ireo fanontaniana roa ireo midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Ny mpanoratra manontany ny hoe iza no nomena fahafahana handeha sy hanompo an'i Yaveh.
"hihainika"
Manondro ny tendrombohitra Ziona any Jerosalema izany.
Manondro ny tempolin'i Yaveh izany. Ny tempoliny ao amin'ny tendrombohitra Ziona ao Jerosalema.
Eto ny hoe "Izy" dia tsy manondro olona manokana. DH: "ireo izay ... izay ... ary tsy nanao"
Ny teny hoe "tanana" dia maneho izay ataon'ny olona iray. Ho an'ny "tanany" ho madio dia midika fa izy manao izay marina. DH: "izay manao izay marina"
Eto ny "fo" maneho ny fisainan'ny olona na ny fihetseham-pony. DH: "manao fihevitra tsara" na "tsy mihevitra ny hanao izay ratsy"
Eto ny hoe "lainga" dia maneho sampy tsy marina. Ny "manandratra" midika manompo. DH: "izay tsy manompo sampy"
Ny teny hoe "izy" dia tsy manondro olona manokana. Manondro izy rehetra madio fo voalaza ao amin'ny andininy teo aloha izany. Ny anarana hoe "fitahiana" dia azo ambara ho matoanteny. DH: "Yaveh hitahy azy ireny"
Ny anarana hoe "fahamarinana" dia azo ambara hoe "amim-pahamarinana." Ary, "famonjena" dia azo ambara hoe "mamonjy." DH: "ary Andriamanitra hanao amim-pahamarinana azy ka hamonjy azy"
Eto ny "taranaka" dia maneho olona amin'ny ankapobeny. DH: "Ny olona izay mitady Azy dia toy izany"
Ireo fanambarana roa ireo dia midika zavatra mitovy. Samy manondro ireo izay mankany an-tempoly hanompo an'Andriamanitra ireo. DH: "ireo izay manatona an'Andriamanitra, izy ireny no mahazo manompo an'Andriamanitra, dia Ilay tompoinay Israelita" (UDB)
Ny fandehanana any an-tempoly manompo an'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe olona mikaroka hahita Azy ara-bakiteny.
Eto ny "tava" dia midika ho ilay olona manontolo. DH: "ny Andriamanitr'i Jakoba"
Ireo fehezanteny roa ireo dia tena mitovy hevitra. Ny teny hoe "vavahady" sy "varavarana" dia manondro ireo vavahadin'ny tempoly. Ny mpanoratra miresaka ny vavahady toy ny hoe olona izany. Ny mpiandry vavahady dia ilay mamoha ny vavahady. DH: "Misokafa, ianao ry vavahady fahizay" na "Vohay ireo vavahady fahizay ireo"
Tsy fantatra mazava hoe aiza ho aiza amin'ny vavahady no "lohany." Fa, izany kosa midika fa ilay vavahady manontolo.
Ny mpanoratra miresaka momba an'i Yaveh toy ny hoe lehilahy mpiady mahery izay miady ao anaty ady Izy.
Ireo fehezanteny roa ireo dia tena mitovy hevitra. Ny teny hoe "vavahady" sy "varavarana" dia manondro ireo vavahadin'ny tempoly. Ny mpanoratra miresaka ny vavahady toy ny hoe olona izany. Ny mpiandry vavahady dia ilay mamoha ny vavahady. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 24:7. DH: "Misokafa, ianao ry vavahady fahizay" na "Vohay ireo vavahady fahizay ireo"
Tsy fantatra mazava hoe aiza ho aiza amin'ny vavahady no "lohany." Fa, izany kosa midika fa ilay vavahady manontolo.
Ity dia mety ho fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 3:1
Salamo nataon'i Davida. 1 Ho Anao, ry Yaveh, no anandratako ny aiko! 2 Andriamanitro o, matoky Anao aho. Aza avela ho menatra aho; aza avela hifaly amim-pandresena amiko ireo fahavaloko. 3 Tsy hisy ho afa-baraka anie ny olona izay manantena Anao, ireo ho menatra ireo izay mamitaka tsy amin'ny antony! 4 Ampahafantaro ahy ireo lalanao, ry Yaveh; ampianaro ahy ireo lalanao. 5 Tariho ho ao amin'ny fahamarinanao aho ary ampianaro, fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; manantena Anao mandritra ny andro aho. 6 Tsarovy, ry Yaveh, ireo asa fangorahanao sy fanekenao mahatoky; fa efa nisy mandrakariva ireo. 7 Aza mihevitra ireo fahotan'ny fahatanorako na ny fikomiako; Tsarovy amin'ny fanekena mahatoky noho ny fahatsaranao aho, ry Yaveh! 8 Tsara sy mahitsy i Yaveh; ka mampianatra ireo mpanota ny lalana Izy. 9 Mitarika ny manetry tena amin'izay marina Izy ary mampianatra azy ireo ny lalany. 10 Ireo lalan'i Yaveh rehetra dia fitiavana maharitra sy fahatokiana ho an'ireo izay mitandrina ny fanekeny sy ireo didiny mafy. 11 Fa noho ny anaranao, ry Yaveh, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany. 12 Iza no olona matahotra an'i Yaveh? Ny Tompo no hanoro azy ny lalana izay tokony hosafidiany. 13 Ny fiainany dia ho ao amin'ny fahatsarana; ary ireo taranany handova ny tany. 14 Ny finamanana amin'i Yaveh dia ho an'ireo izay manome voninahitra Azy, ary mampahafantatra ny fanekeny amin'izy ireo Izy. 15 Amin'i Yaveh mandrakariva ny masoko, ka hanafaka ny tongotro amin'ny harato Izy. 16 Mitodiha amiko ary mamindra fo amiko; fa irery sy ory aho. 17 Mihitatra ireo fahorian'ny foko; esory ao amin'ny fahoriako aho! 18 Jereo ny fahoriako sy ireo fisasarako; mamelà ny fahotako rehetra. 19 Jereo ireo fahavaloko, fa maro izy ireo; mankahala ahy amim-pankahalana lozabe izy ireo. 20 Arovy ny aiko ka avoty aho; aza avela ho menatra aho, fa mialoka Aminao! 21 Hiaro ahy anie ny tsy fivadihana sy ny fahitsiana, fa manantena Anao aho. 22 Avoty amin'ny fahoriany rehetra ny Israely, Andriamanitra o!
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny andianteny hoe "anandratra ny fanahiko" dia sarinteny. Ireo mety ho heviny dia 1) ny mpanoratra manolo-tena amin'i Yaveh, izay midika fa miankina amin'i Yaveh ny tenany manontolo. DH: "manolo-tena ho Anao aho" (UDB) na 2) manolotra vavaka sy fitsaohana ho an'i Yaveh izy. DH: "Midera sy mankalaza Anao aho"
"afa-baraka"
"hifaly amim-pandresena amiko." Ny andianteny "amiko" midika fa nandresy azy ireo fahavalony ary mijoro ambony fandresena. DH: "nandresy ahy ary mifaly amin'izany"
"Aza avela ho afa-baraka ireo izay manantena Anao." Ny faharesena avy amin'ny fahavalo no mahatonga ny fahafam-baraka. Azo atao amin'ny endrika tso-drafitra izany. DH: "Aza avela handresy ireo izay manantena Anao ireo fahavalo"
"izay mitoky Aminao"
"manao fihetsika amim-pitaka" na "manao fihetsika misy fitaka"
"tsy misy antony"
Ireo fanambarana roa ireo dia midika zavatra mitovy. Andriamanitra mampianatra olona izay tokony ho fihetsiny dia lazaina toy ny hoe Izy manoro ny olona ny lala-marina izay tokony alehan'ny olona.
"miankina aminao aho" na "miandry Anao amim-paharetana aho"
Ny mitarika sy mampianatra dia midika zavatra mitovy, dia manome fampianarana. DH: "Ampianaro aho hitarihako ny fiainako amin'ny fankatoavana ny fahamarinanao"
Ny anarana hoe "famonjena" dia azo atao hoe "mamonjy." DH: "Ilay mamonjy ahy" (UDB)
Ity dia fomba fiteny. Tsy midika akory izany fa manadino zavatra Andriamanitra. Ny mpanoratra mangataka amin'Andriamanitra hihevitra sy hampisongadina ireo asam-pangorahany sy famindram--pony. DH: "Tadidio" na "hevero"
Ny anarana hoe "fangorahana" sy "famindram-po" dia azo ambara ho mpamaritoetra. DH: "ny naha mpangoraka sy mpamindra fo Anao tamikonohon'ny fanekenao"
Eto ny hoe "izy ireo" dia heverina toy ny olona ny fangorahana sy famindram-pon'Andriamanitra. DH: "fa toy izany foana Ianao"
Ny teny hoe "fahotana" dia azo ambara ho "nanota." DH: "Aza mihevitra momba ahy nanota fony aho mbola tanora"
Ny anarana "fikomiana" dia azo atao hoe "nikomy." DH: "na momba ahy nikomy taminao"
Ity dia fomba fiteny. Tsy midika akory izany fa manadino zavatra Andriamanitra. Ny mpanoratra mangataka amin'Andriamanitra hihevitra sy hampisongadina ireo asam-pangorahany sy famindram--pony. DH: "Tadidio aho" na "hevero aho"
Ny anarana hoe "fangorahana" sy "famindram-po" dia azo ambara ho mpamaritoetra. DH: "ary mamindrà fo amiko nohon'ny fanekenao, satria tsara Ianao"
Ny fanirian'Andriamanitra ho fitondrantenan'ny olona iray dia lazaina toy ny hoe lalan-kalehan'ny olona iray izany.
Ny teny hoe "lalana" dia sarintenin'ny fomba. DH: "Yaveh dia tia antsika mandrakariva nohon'ny fanekeny ary marina mandrakariva"
Ny andianteny hoe "ny anaranao" eto dia manondro ny lazan'i Yaveh. DH: "Ho an'ny lazanao" na "Mba hanome voninahitra Anao ny olona"
Ny anarana "heloka" dia azo atao hoe "nanota." DH: "Mamelà ahy, fa nanota tokoa aho"
Ity fanontaniana ity dia manolotra "ilay lehilahy matahotra an'i Yaveh" ho lohahevitra vaovao. DH: "Izaho hilaza aminao ny lehilahy izay matahotra ani Yaveh."
Tsy manondro olona manokana izany. DH: "ireo izay matahotra ... hanoro azy ireo ... tokony hosafidian'izy ireo ... ny fiainann'izy ireo ... ny taranak'izy ireo
Yaveh mampianatra olona izay tokony ho fitondrantenan'izy ireo dia lazaiana toy ny hoe Yaveh nanoro ny olona izay lalana tokony alehany.
"Andriamanitra hanao azy ho ambinina" na "Andriamanitra hanao azy ireo ho ambinina"
"Yaveh dia sakaizan'izay." Misy mandika izay hoe "Yaveh mamboraka amin'izay." Ny famborahany amin'izy ireo dia mampiseho ny finamanana akaiky ananany amin'izy ireo.
Eto ny "maso" dia maneho fijerevana. Ny fijerevana an'i Yaveh dia fomba iray hilazana fa izy mangataka famonjena amin'i Yaveh. DH: "Mijery an'i Yaveh mandrakariva aho" na "Mangataka famonjena mandrakariva amin'i Yaveh aho"
Ny harato dia fandrika. Ny olona iray izay tandindonin-doza dia lazaina toy ny hoe tratra anaty harato ny tongony. DH: "hanavotra ahy amin'ny loza Izy"
Yaveh mifantoka amin'ny olona iray sy mihevitra azy dia lazaina toy hoe Yaveh tenany mihitsy no mitodika amin'ilay olona.
Eto ny "fo" dia maneho ny fihetseham-pon'olona. DH: "Mahatsapa aho fa ory dia ory"
"ento aho hiala amin'ny fahoriako." Ity dia miresaka fahorina toy ny hoe toerana ahafahan'ny olona miala izany. DH: "avoty amin'ny fahoriako aho" na "amaivano amin'ny fahoriako aho"
Ny teny hoe "fahoriana" dia anarana. DH: "ireo zavatra izay mahory ahy" na "ireo zavatra izay mampatahotra ahy"
"Diniho ny fampahoriana ahy"
Ny anarana "fampahoriana" dia azo avadika matoanteny. DH: "ireo zavatra izay mampahory ahy" na "ory loatra aho"
DH: "ireo zavatra izay mampahory ahy"
"mankahala ahy tanteraka izy ireo" na "mankahala mafy ahy izy ireo"
Ny fankanesana any amin'i Yaveh hitady fiarovana dia lazaina ho fialofana ao aminy. DH: "mankany aminy hitady fialofana"
Ity dia miresaka momba ny "fahitsiana" sy "fahamarinana" toy ny hoe olona ireo ary afaka mihazona olona iray hafa ho azo antoka. Ireo anarana roa ireo dia azo avadika ho mpamaritoetra. DH: "Hiaro ahy anie ny maha olo-marina sy ny fanaovana izay marina" na "Arovy aho, Tompo o, satria aho marina sy manao ny tsara"
"Vonjeo Israely"
Eto ny "israely" dia maneho ny vahoakan'Israely. DH: "ny vahoakan'Israely ... ny fahorianay"
Salamo nataon'i Davida. 1 Tsarao aho, ry Yaveh, fa nandeha tamim-pahitsiana aho; nahatoky an'i Yaveh tsy tamim-pisalasalana aho. 2 Diniho aho, ry Yaveh, ary izahao toetra aho; izahao toetra ny fahadiovan'ny ato anatiko sy ny foko! 3 Fa ny fanekenao mahatoky no manoloana ny masoko, ary mandeha eo amin'ny fahatokianao aho. 4 Tsy mikambana amin'ireo olona mpamitaka aho, na miharoharo amin'ireo olona tsy marina. 5 Halako ny fiangonan'ireo mpanao ratsy, ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho. 6 Manasa ny tanako amin'ny tsy fananan-tsiny aho, ary mandeha manodidina ny alitaranao, ry Yaveh, 7 mba hihira fiderana mafy sy hilaza ny asanao mahagaga rehetra. 8 Ry Yaveh, tiako ny trano izay hitoeranao, ny toerana izay itoeran'ny voninahitrao! 9 Aza mandripaka ahy miaraka amin'ireo mpanota, na ny aiko miaraka amin'ireo olona lian-drà, 10 eo an-tanan'ireo izay misy teti-dratsy, ary eo amin'izay feno kolikoly ny tanany ankavanana. 11 Fa izaho kosa, handeha amin'ny fahitsiana aho; avoty aho ary mamindrà fo amiko. 12 Mitsangana eo amin'ny tany marina ireo tongotro; eo amin'ireo fiangonana no hiderako an'i Yaveh!
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny teny hoe "nandeha" dia sarinteny ho an'ny fitondran-tena. DH: "efa nitondra tena aho"
"andramo aho"
Eto ny "anaty" sy "fo" midika fihetseham-po. DH: "izahao raha tsara ny fihetseham-poko"
Eto ny "maso" dia maneho ny fisainan'ny olona iray. DH: "Fa izaho mihevitra mandrakariva momba ny fahatokianao amiko nohon'ny fanekenao"
Ny teny hoe "mandeha" dia sarinteny ho an'ny fitondrantena. DH: "Izaho mitondra ny fiainako araka ny fahatokianao" (UDB) na "Izaho mitondra tena araka ny ataoko nohon'ny fahatokianao"
"Izaho tsy maka namana" na "Izaho tsy miaramipetraka amin'ny"
"amin'izay mamitaka ny hafa"
Ity dia mitovy dika amin'ny ampahany voalohany amin'ny fehezanteny. DH: "ary tsy miaraka amin'ny olona tsy marina"
"mpihatsaravelatsihy" (UDB) na "izay mandainga amin'ny hafa"
"izay miangona hanao ratsy"
Mpamaritra anarana ity. DH: "olona ratsy fanahy" na "izay ratsy fanahy"
Izany dia toa manondro fomba fanasana tanana amin'ny rano mba ho famantarana ny fahafahana amin'ny fahotana sy heloka.
Izany dia asam-panompoana izay fahazarana nataon'ireo Israelita.
Ireo mety ho heviny dia 1) raha nisy olona nanoratra ity taorian'ny andron'i Davida, dia manondro ny tempoly any Jerosalema ilay mpanoratra izany na 2) raha Davida no nanoratra ity, dia manondro ny lay izay nasain'Andriamanitra hatsangan'ny vahoaka ity mba hahafahan'izy ireo manompo Azy any.
Eto ny "voninahitra" dia maneho ny fanatrehana sy herin'Andriamanitra, izay mitovy amina hazavana manjelatra be. DH: "ny toerana izay ahafahan'ny olona mahita ny tara-pahazavan'ny fanatrehanao"
Ny "mandripaka" dia sarinteny ho an'ny fandravana. DH: "Aza mandrava ahy miaraka amin'ireo mpanota"
Efa takatra ny teny "mandripaka." DH: "na handripaka ny aiko"
Ny teny "lian-drà" dia maneho olona izay te hamono olona hafa. DH: "olona izay risika handatsaka ràn'olon-kafa" na "olona izay mpamono olona"
Ny "tanana" dia manondro ilay olona manontolo. DH: "olona izay"
"fikasan-dratsy"
Ity andianteny ity dia mampiseho fa ny mpanoratra miova amin'ny firesahana momba ny olona ratsy fanahy ho miresaka momba ny tenany.
Ny "handeha" dia sarinteny ho an'ny fitondrantena. DH: "hitondra tena amin'ny fahitsiana aho"
Eto ny "tongotra" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "Mijoro aho"
Ireo mety ho hevitr'izay asehon'ny "tany marina" dia 1) toerana azo antoka na 2) fitondrantena marina
"rehefa miangona miaraka amin'ny vahoakan'Israely aho dia hidera Anao"
Salamo nataon'i Davida. 1 Yaveh no fahazavako sy famonjeko; iza no hatahorako? Yaveh no fialofan'ny aiko; iza no tokony hatahorako? 2 Raha manatona handrotika ny nofoko ireo mpanao ratsy, ireo mpandrafy ahy sy ireo fahavaloko dia tafitohina ka lavo. 3 Na dia misy tafika mitoby hanohitra ahy aza, dia tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady hanohitra ahy, na amin'izany aza dia mbola hijanona mahatoky aho. 4 Zavatra iray no nangatahiko tamin'i Yaveh, ary hitady iznay aho: mba hahafahako mitoetra ao an-tranon'i Yaveh mandritra ny andro rehetra iainako, mba hahita ny fahatsaran'i Yaveh sy ny hisaintsaina ao an-tempoliny. 5 Fa amin'ny andron'ny fahoriako dia hanafina ahy eo amin'ny fialofany Izy; eo amin'ny rakotry ny lainy no hanafenany ahy. Hampiakatra ahy ho eny amin'ny vatolampy Izy! 6 Ary ny lohako dia hisandratra eo ambonin'ireo fahavaloko manodidina ahy rehatra, hanolotra ireo fanati-pisorom-pifaliana ao an-dainy aho! Hihira sy hanao hira ho an'i Yaveh aho! 7 Mihainoa ny feoko, ry Yaveh, rehefa miantso mafy aho! Manindrà fo amiko, ary valio aho! 8 Miteny momba anao ny foko hoe: "Tadiavo ny tavany!" Mitady ny tavanao aho, ry Yaveh! 9 Aza manafina ny tavanao amiko; aza mamily ny mpanomponao am-pahatezerana! Ianao no efa nanampy ahy; aza mahafoy na mandao ahy, ry Andriamanitry ny famonjeko! 10 Fa na mahafoy ahy aza ny raiko sy ny reniko, Yaveh no handray ahy. 11 Ampianaro ahy ny lalanao, ry Yaveh! Tariho amin'ny lalana marina aho noho ireo fahavaloko. 12 Aza manary ahy ho amin'ny fanirian'ireo fahavaloko, fa ireo vavolombelona sandoka mitsangana hanohitra ahy, ary miaina herisetra izy ireo! 13 Inona no nanjo ahy raha tsy nino aho fa izaho dia hahita ny fahatsaran'i Yaveh eo amin'ny tany honenana? 14 Miandrasa an'i Yaveh; ary matanjaha, aoka ny fonao hahery! Miandrasa an'i Yaveh!
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Eto ny "hazavana" dia maneho fiainana. DH: "Yaveh no ilay fototry ny fiainako"
Ity fanontaniana ity dia manamafy fa tsy misy izay atahoran'i Davida. DH: "tsy hatahotra na iza na iza aho"
Izany dia miresaka momba an'i Yaveh toy ny hoe toerana azon'ny olona aleha mba ho voaaro. DH: "Yaveh no ilay mihazona ahy ho voaaro"
Ity fanontaniana ity dia manamafy fa tsy misy tokony hampahatahotra an'i Davida. DH: "tsy hangovitra aho na amin'iza na amin'iza"
Ny famotehana olona tanteraka dia lazaina toy ny hoe mandevona ny nofon'olona. Izy tsy miteny fa izy ireo dia naniry hihinana ny vatany. DH: "hamotika ahy"
Ireo teny ireo dia midika zavatra mitovy. Izany daia ireo mpanao ratsy izay nanatona akaiky azy.
Izany dia maneho ny tsy fahombiazan'ireo fahavalon'ny mpanoratra mba hanatanteraka ireo fikasany hamely ny mpanoratra. DH: "tsy nahomby" na "nandamoka"
"na dia misy tafika aza manodidina ahy" na "na dia misy tafika aza mampitoetra ny lainy manodidina ahy"
Eto ny "fo" dia maneho ny tenan'ilay olona manontolo. DH: "Tsy hatahotra aho"
Ireo fahavalon'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe ny tenan'izy ireo mihitsy no ady. DH: "na dia tonga hiady amiko aza ireo fahavaloko"
"mbola hitohy hitoky amin'Andriamanitra hamonjy ahy aho"
"no nangatahiko tamin'i Yaveh havela ataoko"
Ny olona iray izay tena mila zavatra ary mangataka izany amin'Andriamanitra mandrakarivadia lazaina toy ny hoe izy nikaroka mba hahita zavatra.
Ny toetra mahagagan'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe hatsaran-tarehy ivelany izany. DH: "hahita fa mahagaga Yaveh"
Ireo mety ho heviny dia 1) "mangataka amin'Andriamanitra izay tiany hataoko" na 2) "mieritreritra lalina momba an'Andriamanitra ao an-tempoliny."
Eto ny "andro" dia maneho fotoana labva dia lava. DH: "amin'ny fotoam-pahoriako" na "rehefa manam-pahoriana aho"
"hiaro ahy Izy"
Ireo roa ireo dia manondro ny tabernakely izay anompoan'ny mpanoratra an'Andriamanitra.
Ny teny hoe "firakotra" dia maneho zavatra izay manafina na miaro.
Andriamanitra miaro ny mpanoratra amin'ireo fahavalony dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra nametraka azy teo ambony vatolampy avo izay tsy tratry ny fahavalony.
Izany dia maneho ny mpanoratra mahazo dera na voninahitra rehefa mandavo ireo fahavalony izy. Azo atao tso-drafitra izany. DH: "Hidera ahy ny olona rehefa mandresy ny ady amin'ireo fahavaloko aho" na "Andriamanitra hanome voninahitra ahy amin'ny famelana ahy handavo ireo fahavaloko"
Eto ny "feo" dia maneho izay tenenin'ireo mpanoratra. DH: "Mihainoa ahy, Yaveh o"
Izany dia midika fa Yaveh dia mandre ny fivavaky ny mpanoratra ary Yaveh hanao izay angatahin'ny mpanoratra. DH: "valio ny fivavako" (UDB) na "manaova izay angatahiko aminao"
Eto ny "fo" dia maneho ny fisainan'ny mpanoratra na ny fiheviny. DH: "Ao am-poko ny hilazako" na "Izaho miteny amin'ny tenako"
Ny olona mandeha ao an-tempoly hivavaka amin'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe mikaroka hahita an'i Yaveh ilay olona. Eto ny "tava" dia maneho an'Andriamanitra manontolo. DH: "Mandehana ka mivavaha amin'i Yaveh"
Ny olona mandeha ao an-tempoly hivavaka amin'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe mikaroka hahita an'i Yaveh ilay olona. DH: "Ho avy ao an-tempolinao aho hivavaka aminao" (UDB)
Ny tava eto dia maneho ny fifantohan'i Yaveh. Ny andianteny "Aza manafina ny tavanao" dia fomba fangatahana amin'Andriamanitra tsy handà azy. DH: "Aza mandà ahy" na "Aza mitsahatra miahy ahy"
Davida niteny hoe "ny mpanomponao" mba hanondroana ny tenany amin'ny fomba manetry tena. DH: "aza tezitra amiko"
Ny teny hoe "mahafoy" sy "mandao" dia midika zavatra mitovy. Ny mpanoratra manamafy fa tsy maniry an'Andriamanitra hahasaraka azy.
Efa takatra ny teny "ary aza". DH: "ary aza mandao ahy" na "ary aza mahasaraka ahy"
Ny anarana "famonjena" dia aza atao hoe "mamonjy." DH: "Andriamanitra izay mamonjy ahy" na "satria Ianao no Andriamanitra izay mamonjy ahy"
"Na dia nahafoy ahy aza ny raiko sy ny reniko." Tsy miteny izy fa tena nahavitra izany tokoa izy ireo na hoe hanao izany. Ny tiany hahatongavana dia hoe na dia nanao izany aza izy ireo, Andriamanitra tsy mba handao azy.
"Yaveh no hihazona ahy" na "Yaveh no hikarakara ahy"
Ny tokony ho fitondran-tenan'ny olona iray dia lazaina toy ny hoe lalana na lalan-kely izay tokony alehan'ny olona iray. DH: "Ampianaro ahy izay tianao ho fomba fiainako" na "Ampianaro ahy ny hanao izay tianao hataoko"
Yaveh miaro ny mpanoratra amin'ireo fahavalony dia lazaina toy ny hoe Yaveh mitarika ny mpanoratra amin'ny lalana marina izay tsy hahatafintohina na hahalavo azy. DH: "Arovy aho"
Ny anarana hoe "faniriana" dia azo avadika matoanteny. DH: "Aza avela hanatanteraka izay iriany amiko ireo fahavaloko"
"nitsangana" dia fomba fiteny midika fa misy vavolombelona iray mijoro ao amin'ny fitsarana hanolotra fijoroana vavolombelona. DH: "efa nitsangana mba hiteny miampanga ahy"
Eto ny herisetra dia lazaina ho toy ny zavatra azon'ny olona iray hifofofofoina. DH: "milaza izy ireo fa hanao zavatra maherisetra amiko"
Ity fanontaniana ity dia azo atao amin'ny fomba mihiba. DH: "Zava-dratsy no efa nitranga tamiko"
Ny anarana hoe "fahatsarana" dia azo avadika ho mpamaritoetra. DH: "ireo zava-tsoa izay ataon'i Yaveh"
Manondro ny maha velon'aina izany. DH: "raha mbola velon'aina aho"
Ity andininy ity angamba mety ho 1) miresaka amin'ny tenany ihany ny mpanoratra 2) miresaka amin'ny olon-kafa ny mpanoratra na 3) misy olona miresaka amin'ny mpanoratra
Eto ny "fo" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "mahereza"
Ity andalana ity dia averina eo amin'ny faran'ny salamo mba ho fomba famaranana ny salamo.
1 Salamo nataon'i Davida. Hihiaka mafy ho aminao aho, ry Yaveh; vatolampiko, aza atao tsinontsinona aho. Raha tsy mamaly ahy ianao, dia hiaraka amin'ireo izay midina any am-pasana aho. 2 Henoy ny feon'ny fitarainako raha mitady fanampiana avy aminao aho, raha manandratra ny tanako manatrika ny fitoeranao masina indrindra aho! 3 Aza misintona ahy hiala miaraka amin'ny ratsy fanahy, izay manao heloka, izay manonona fiadanana amin'ny naman'izy ireo nefa manana faharatsiana ao am-pon'izy ireo. 4 Omeo azy ireo ny sahaza ny asan'izy ireo ary valio izay takian'ny faharatsiam-panahiny, valio izy ireo ny amin'ny asan'ny tanan'izy ireo, valio izay sahaza azy ireo. 5 Satria tsy takany ireo asan'i Yaveh na ny asan'ny tanany, hanimba azy ireo izy ary tsy hanangana azy ireo intsony. 6 Deraina anie Yaveh satria efa naheno ny feon'ny fitarainako Izy! 7 Yaveh no heriko sy ampingako; ny foko matoky Azy, dia ampiana aho. Noho izany dai ravoravo fatratra ny foko, ary izaho hidera Azy amin'ny fihirana. 8 Yaveh no herin'ny olony, ary Izy no fialofana famonjen'ilay voahosony iray. 9 Vonjeo ireo vahoakanao ary tahio ny lovanao. Meteza ho mpiandry ondriny ary ento mandrakizay izy ireo.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
"hiantso mafy aho"
Ity dia sarinteny ho an'ny hery. DH: "ry heriko"
"aza mangina amiko" na "aza mamela ahy irery"
Izay olona maty dia lazaina toy ny hoe izy ireo midina any am-pasana. DH: "Ho faty tahaka ireo izay any am-pasana aho"
Eto ny "feo" dia manodro ny vontoatin'ny fangatahany. DH: "Henoy ny fangatahako mafy"
Ny fanandratana tanana dia mariky ny fanompoana. Ny mpanoratra dia tsy manompo ny fitoerana masina, fa kosa Yaveh izay monina any amin'ny fitoerana masina.
Ireo mety ho heviny dia 1) raha Davida no nanoratra ity, dia manondro ny lay izay nolazain'Andriamanitra tamin'ny vahoaka hapetraka mba hahafahan'izy ireo manompo an'Andriamanitra any, na 2) raha olona taorian'ny andron'i Davida no nanoratra ity, dia manondro ny tempoly any Jerosalema ny mpanoratra.
Andriamanitra manafay olona dia lazaina toy ny hoe Izy tenany mihitsy no manala azy ireo. Ao amin'ity sarinteny ity Yaveh dia mety hoe mandefa azy ireo any am-ponja, na sesitany, na amin'ny fahafatesana. DH: "Aza manaisotra ahy"
Eto ny "namana" dia manondro ny olona amin'ny ankapobeny. DH: "izay miteny amim-piadanana amin'ny olon-kafa"
Eto ny "fo" dia maneho ny fisainan'ny olona iray na ny fiheviny. DH: "nefa mihevitra zava-dratsy amin'izy ireo"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy. Ampiasaina iro mba hanamafisana fa mendrika azy ireo ny faizin'Andriamanitra.
Eto ny "tanana" dia maneho izay zava-bitan'ny olona iray. DH: "ireo zavatra izay efa vitan'izy ireo"
"omeo azy ireo izay mendrika azy"
Tsy mazava raha ny andininy faha 5 no mora azo indrindra raha fanambarana tsotra (toy ny ao amin'ny ULB) na raha fangatahana (toy ny ao amin'ny UDB).
Izany midika fa ny "tsy takatra" dia manao tsinontsinona izy ireo na tsy manome voninahitra ireo asan'i Yaveh. DH: "tsy momba izay vitan'i Yaveh amim-boninahitra izy ireo"
Eto ny "tanana" dia maneho izay nataon'i Yaveh na namboariny. DH: "izay namboariny"
Ny famaizana ny olona ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe tranobe izy ireo na tanàna izay ho rava.
Eto ny "feo" dia maneho izay lazain'ny mpanoratra. DH: "efa nandre izay nolazaiko rehefa nitaraina taminy aho"
Ny anarana hoe "hery" dia azo avadika ho "mahery." DH: "Yaveh manao ahy ho mahery"
Ity dia maneho fa Yaveh miaro ny mpanoratra. DH: "Izy no miaro ahy"
Eto ny "fo" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "matoky aho"
Eto ny "fo dia maneho ilay olona manontolo. DH: "miravoravo fatratra aho"
Ny anarana hoe "hery" dia azo avadika ho "mahery." DH: "Yaveh mano ny olony ho mahery"
Yaveh miaro ny mpanjaka dia lazaina toy ny hoe Yaveh no toerana izay ahafahan'ny mpanjaka mitady fiarovana. DH: "Izy no miaro ilay voatendriny ho mpanjaka"
Ity dia maneho ny mpanjaka.
Ity dia miresaka momba ny vahoakan'Andriamanitra toy ny hoe zavatra nolovain'Andriamanitra. DH: "ny fanananao" na "izay Anao"
Ny mpanoratra miresaka momba an'i Yaveh toy ny hoe mpiandry ondry Izy ary ny vahoaka no ondry. Ny mpiandry ondry dia mitondra ny ondry raha mila vonjy na fiarovana izany. DH: "Meteza ho toy ny mpiandry ondriny ka arovy izy mandrakariva ireo"
1 Salamo nataon'i Davida. Manomeza fiderana ho an'i Yaveh, ianareo ry zanak'Andriamanitra! Manomeza fiderana ho an'i Yaveh nohon'ny voninahiny sy ny heriny. 2 Omeo an'i Yaveh ny voninahitra izay mendrika ny anarany. Miankohofa amin'i Yaveh eo amin'ny famirapiratan'ny fahamasinany. 3 Ny feon'i Yaveh dia re eny ambonin'ny rano; ilay Andriamanitry ny voninahitry ny kotroka, ary Yaveh mikotroka eo amin'ireo rano maro. 4 Ny feon'i Yaveh dia mahery; ny feon'i Yaveh dai be voninahitra. 5 Ny feon'i Yaveh dia mamaky ireo sedera; ary torotoroin'i Yaveh ireo sedera any Libanona. 6 Mampitsambikimbikina an'i Libanona tahaka ny zanak'omby ary Siriona toy ny vatotr'omby Izy. 7 Ny feon'i Yaveh dia mamoaka lelafo. 8 Ny feon'i Yaveh dia mampihozongozona ny tany efitra; Yaveh mampihozongozona ny efitr'i Kadesy. 9 Ny feon'i Yaveh dia mahatonga ny hazo terebinta hihetsika ary mamofy ny hoditr'ireo ala. Ny olona rehetra any an-tempoliny miteny hoe: "Voninahitra!" 10 Yaveh dia mipetraka toy ny mpanjaka eo amin'ny tondra-drano; Yaveh mipetraka toy ny mpanjaka mandrakizay. 11 Yaveh dia manome hery ny olony; Yaveh dia mitahy ny olony amim-piadanana.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny andianteny "zanak'i" dia fomba ilazana hoe "manana ny toetran'i." DH: "Ianareo ry lehilahy mahery"
Ny anarana "vaoninahitra" sy "hery" dia azo avadika ho mpamaritoetra. DH: "Miderà an'i Yaveh fa be voninahitra sy mahery Izy"
Ny anarana "voninahitra dia azo avadika ho matoanteny na mpamaritoetra. DH: "Omeo voninahitra Yaveh araka izay mendrika ny anarany"
Ny andinateny "ny anarany" dia manondro an'i Yaveh na ny lazany. DH: "araka izay mifanaraka nohon'ny amin'ny maha izy Azy"
Ny salamo dia mampiseho ny fahefana sy voninahitr'i Yaveh.
Ny feon'Andriamanitra dia mafy kokoa ary mazava kokoa mihoatra ireo feo hafa rehetra. Afaka renesina mihoatra ny feo hafa izany toy ny feon'ny rano. Azo avadika ho tso-drafitra izany. DH: "Rehefa miteny Yaveh dia mafy kokoa mihoatra ny feon-dranomasina ny feony" na "Yaveh mihiaka mafy mihoatra ny feon'ny rano"
Ity dia manondro ireo ranomasina na ranomasimbe. Ireo rano ireo dia manao feo tena mafy toy onja miainga ambony ary milatsaka.
Izay fisehon'ny "feo" rehetra eto dia maneho ny fitenenan'i Yaveh. Ny mpanoratra manamafy fa rehefa miteny Yaveh, dia mafy dia mafy tokoa ny feo ka re ambony rano izany, ary mahery indrindra izany ka mahasimba hazo midadasika. DH: "Rehefa miteny Yaveh, ny feony"
Izany miresaka momba an'i Yaveh miteny toy ny hoe feon-kotroka. Toy ny feom-baratra, ny feon'i Yaveh dia afaka renesina amina alavirana lehibe. DH: "Ny feon'Andriamanitra be voninahitra dia mafy tahaka ny kotroka" na "Rehefa miteny ny Andriamanitra be voninahitra dia mikotroka tahaka ny varatra izany"
Ny mpanoratra manohy mamaritra ny herin'ny feon'i Yaveh.
Libanona dia lazaina toy ny hoe zanak'omby kely. Manamafy izany fa rehefa miteny Yaveh, dia mampihorohoro ny tany ny herin'ny feony. DH: "Mampihorohoro ny tanin'i Libanona tahaka ny zanak'omby mitsambikimbikina Izy"
Mivikina moramora mandroso mihemotra
Siriona dia lazaina toy ny hoe omby tanora. Manamafy izany fa rehefa miteny Yaveh, dia mampihorohoro ny tany ny feony. Mety hanampy ny manisy ny teny tsy ampy. DH: "ampitsambikimbikininy tahaka ny omby tanora i Siriona"
Ity dia tendrombohitra any Libanona. Antsoina ihany koa hoe tendrombohitra Hermona.
Izay fisehoan'ny "feo" rehetra eto dia maneho an'i Yaveh miteny. DH: "Rehefa miteny Yaveh dia manao ny varatra hitselatra eny amin'ny habakabaka"
Manondro tselatra izany.
Eto ny "feo" dia maneho an'i Yaveh miteny. DH: "Rehefa miteny Yaveh, dia mahatonga"
"Ireo hazo midadasika hihozongozona" (UDB)
Ny fanalàna ny ravin-kazo dia lazaina toy ny hoe manala ny fitafin'izany. DH: "mamofy ny ravina amin'ny hazo"
Midika izany fa Yaveh no manapaka. DH: "Yaveh no manapaka" na "Yaveh no mpanjaka"
Eto ny "tondra-drano" dia manondro rano izay manarona ny tany.
DH: "Yaveh mitahy ny vahoakany amin'ny fanambinana azy ireo sy mampiaina azy ireo amim-piadanana"
Salamo; hira amin'ny fanoloran-tena ho an'ny tempoly. Salamo nataon'i Davida. 1 Hanandratra Anao aho, ry Yaveh, fa nanangana ahy Ianao ary tsy namela ireo fahavaloko hiravoravo eo amiko. 2 Ry Yaveh Andrimanitro, niantso ny famonjenao aho, ary nanasitrana ahy Ianao. 3 Ry Yaveh, nitondra ny fanahiko niakatra avy tany amin'ny Fiainan-tsy hita ianao; ary nitahiry ahy ho velona tsy hidina any am-pasana. 4 Mihirà fiderana ho an'i Yaveh, ianareo ry vahoakany mahatoky! Manomeza fiasaorana raha mahatsiaro ny fahamasinany ianareo. 5 Fa ny fahatezerany dia vetivety monja; fa ny fankasitrahany dia mandritra ny androm-piainana. Tonga ny fitomaniana amin'ny alina, fa ny fifaliana tonga ny maraina. 6 Am-pahatokiana ni ilazako hoe: "Tsy mba hangozohozo mandrakizay aho." 7 Ry Yaveh, nohon'ny fankasitrahana dia nanao ahy ho toy ny tendrombohitra matanjaka Ianao; dia ory aho. 8 Niantso Anao aho, ry Yaveh, ary nitady sitraka avy amin'ny Tompoko! 9 Inona no tombony amin'ny fahafatesako, raha handeha hidina hidina any am-pasana aho? Hidera Anao ve ny vovoka? Hanambara ny fahamendreham-pitokisanao ve izany? 10 Mihainoa, ry Yaveh, ary mamindrà fo amiko! Ry Yaveh, meteza ho mpanampy ahy. 11 Namadika ny fisaonako ho fandihizana Ianao; nanala ny akanjo fisaonako Ianao ary nampitafy ahy tamin'ny fifaliana. 12 Koa ankehitriny ny voninahitro dia hihira fiderana ho Anao ary tsy hangina; ry Yaveh Andriamanitro, hanome fisaorana Anao mandrakizay aho!
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Ity hira ity dia nohiraina tamin'ny tempoly notokanana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra manavotra azy sy mihazona azy tsy ho faty toy ny hoe Andriamanitra nanala azy tao an-davadrano lalina. DH: "nanavotra ahy Ianao"
Satria ny "Fiainan-tsy hita" dia toerana izay alehan'ny olona efa maty, dia manondro fahafatesana izany. DH: "nihazona ahy tsy ho faty"
Eto "ny fanahiko" dia manondro ny mpanoratra. DH: "nitondra ahy niakatra"
Ny "fasana" dia maneho fahafatesana. DH: "amin'ny fahafatesana"
Ny anarana "fahamasinana" dia azo atao hoe "masina." DH: "Tsarovy fa Andriamanitra dia masina ka misaora Azy" na "Tsarovy izay nataon'Andriamanitra satria masina Izy ary isaory"
"fotoana fohy monja no haharetan'ny hatezerany." Ny anarana "hatezerana" dia azo avadika ho "tezitra." DH: "tezitra mandritra ny fotoana fohy monja Izy"
Eto ny "veitvety" dia maneho fotoana fohy dia fohy. DH: "fotoana fohy"
Ny anarana "fankasitrahana" dia azo avadika ho mpamaritoetra "tsara." DH: "fa tsara amintsika Izy amin'ny fiainantsika rehetra" (UDB)
Ity dia miresaka momba ny "fitomaniana" sy "hafaliana" toy ny hoe zavatra izay afa-mandeha sy tonga amina fotoana voafaritra. DH: "Mety hitomany izahay mandritra ny alina, fa ho mirana kosa izahay ny maraina" (UDB)
Ny teny hoe "fahatokiana" dia anarana somary tsy mazava. Ny mpanoratra mampahatsiahy fotoana tamin'izy ambinina sy nahatsiaro nahatoky tena ary voaaro. DH: "Fony aho mbola nahatoky tena" na "Fony aho nahatsiaro nilamina"
Ny teny "hangozoho" dia sarinteny ho an'ny faharesena. DH: "Tsy hisy haharesy ahy"
Ny anarana "fankasitrahana" dia azo avadika ho matoanteny hoe "nankasitraka" na ho mpamaritoetra "tsara fanahy." DH: "fony Ianao nankasitraka ahy" na "fony tsara fanahy tamiko Ianao"
Ny fiarovantenan'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe tendrombohitra mahery izy. DH: "Ianao nanao ahy ho voaaro toy ny tendrombohitra avo"
Ity dia fomba fiteny. DH: "rehefa nitsahatra namonjy ahy Ianao" na "rehefa nandà ahy Ianao"
"dia natahotra aho" na "nanahy aho"
Ny andianteny "nitady sitraka" dia midika hoe mangataka famonjena. DH: "nitalaho tainao aho mba hovonjena" (UDB)
Ny mpanoratra dia manondro an'i Yaveh amin'ny mpisolo anarana fahatelo. DH: "avy aminao, ry Tompoko"
Azo avadika ho fanambarana mahitsy toy ny ao amin'ny UDB izany.
Ny mpanoratra mampiasa ity fanontaniana ity hanamafisana fa tsy mba nisy hasiny tamin'Andriamanitra izy raha tsy maty. DH: "Tsy mba misy tombony ny fahafatesako sy ny fidinako any am-pasana"
Ny mpanoratra mampiasa ireo fanontaniana ireo hanamafisana fa ny nofony maty sy simba dia tsy afaka hidera an'Andriamanitra. DH: "Ny vovoky ny tenako tsy hidera Anao izany na hilaza amin'ny hafa ny momba ny hoe hatraiza ny fahamarinanao"
Ity dia manondro ny nofon'ny mpanoratra izay ho simba ary hody vovoka rehefa maty izy. DH: "ny nofoko simba"
Fombafomban'ny Jiosy ny nandihy rehefa faly loatra izy ireo. Ny anarana "fisaonana" sy "fandihizana" dia azo avadika ho matoanteny. DH: "Nampitsahatra ahy misaona Ianao ary nampandihy ahy tamim-pifaliana kosa"
Ny akanjo fisaonana dia nakambana tamin'ny fisaonana sy alahelo. DH: "tsy nanao ahy ho malahelo intsony Ianao"
Ny mpanoratra miteny ny hafaliana toy ny hoe akanjo azo itafiana izany. DH: "Nahatonga ahy ho faly"
Eto ny "ny voninahitra" dia manondro ny fanahin'ny mpanoratra na fo na ny ao anaty. Izany dia maneho ilay olona manontolo amin'ny mpanoratra, izay manompo an'Andriamnitra satria Andriamanitra efa nana azy ho faly. DH: "Hihira fiderana ho Anao aho"
1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Aminao, ry Yaveh, no hialofako; aza avela ho afa-baraka aho. Avoty amin'ny fahamarinanao aho. 2 Mihainoa ahy; faingàna hanavotra ahy; meteza ho vatolampy fialofako, fiarovana mafy hamonjy ahy. 3 Fa vatolampiko sy fiarovana mafy ho ahy Ianao; koa nohon'ny amin'ny anaranao, tariho sy tantano aho. 4 Sintony hiala amin'ny harato izay nafenin'izy ireo ho ahy aho, fa Ianao no fialofako. 5 Eo an-tananao no anankinako ny fanahiko; hanavotra ahy Ianao, ry Yaveh, ry Andriamanitry ny fahamendreham-pitokisana. 6 Halako ireo izay manompo sampy zava-poana, fa izaho hatoky an'i Yaveh. 7 Hifaly sy hiravoravo amin'ny fanekenao mahatoky aho, fa Ianao nahita ny fahoriako; fantatrao ny fahorian'ny fanahiko. 8 Tsy nomenao ho eo an-tanan'ireo fahavaloko aho. Nametraka ny tongotro ho eo amin'ny tany malalaka Ianao. 9 Mamindrà fo amiko, ry Yaveh, fa ao anatin'ny fahoriana aho; miha-reraky ny alahelo ny masoko miaraka amin'ny fanahiko sy ny vatako. 10 Fa ny aiko dia reraky ny alahelo ary ny taonako nohon'ny fisentoana. Lefy ny heriko nohon'ny fahotako, ary ireo taolako dia mihalany. 11 Noho ireo fahavaloko rehetra, ny olona manao tsinontsinona ahy; ireo mpiray monina amiko rikoriko amin'ny manjo ahy; ary ireo izay mahafantatra ahy dia mivarahontsana. Ireo izay mahita ahy eny an-dalana mitsoaka ahy. 12 Adino toy ny olona maty izay tsy misy mpieritreritra aho. Toy ny vilany vaky aho. 13 Fa reko ny bitsibitsiky ny maro, ireo vaovao mampahatahotra avy eny rehetra eny satria izy ireo miray tetika hanohitra ahy. Mitetika ny haka ny aiko izy ireo. 14 Fa matoky Anao aho, ry Yaveh; hoy aho hoe: "Andriamanitro Ianao." 15 Ny anjarako dia eo an-tananao. Avoty amin'ny tanan'ireo fahavaloko sy ireo izay manenjika ahy aho. 16 Hampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; avoty amin'ny fanekenao mahatoky aho. 17 Aza avela ho menatra aho, ry Yaveh; fa izaho miantso Anao! Ho menatra anie izay ratsy fanahy! Hangina any amin'ny fiainan-tsy hita anie izy ireo. 18 Aoka ireo molotra mandainga hangina izay miresaka hanohitra ny fahamarinana amim-pihantsiana miaraka amin'ny fiavonavonana sy ny fanamavoana. 19 Endrey ny fahatsaranao izay notehirizinao ho an'izay nanaja anao, izay tanterahinao amin'izay mialoka aminao manoloana ireo zanak'olombelona rehetra! 20 Eo amin'ny fialofan'ny teti-dratsin'ireo olona. Manafina azy ireo amin'ny fialofana amin'ny herisetran'ny lela Ianao. 21 Ho deraina anie Yaveh, fa naneho ny fanekeny mahatoky mahagaga Izy raha tao anatin'ny tanàna voafahirano aho. 22 Na dia nilaza tamin'ny fahatairako aza aho hoe: "Nesorina tsy ho eo imasonao aho," eny mbola mandre ny fitarainako famonjena Ianao raha niantso Anao aho. 23 Tiava an'i Yaveh, ianareo ry mpanara-dia mahatoky. Yaveh miharo ny mahatoky, fa mamaly tanteraka ny mpiavonavona. 24 Mahereza sy matanjaha, ianareo rehetra izay matoky an'i Yaveh amin'ny famonjena.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny fankanesana any amin'i Yaveh ho fiarovana dia lazaina toy ny hoe mialoka ao aminy. DH: "Mankany aminao aho, Yaveh o, mba ho fiarovana"
Ny andianteny "meteza ho vatolampy fialofako" dia fangatahana fiarovana. Ny andianteny faharoa manamafy ny voalohany.
Yaveh dia lazaina toy ny hoe vatolampy lehibe izay hiaro ny mpanoratra amin'ny fanafihana. DH: "tahaka ny vatolampy izay ahafahako ho voaaro"
Yaveh dia lazaina toy ny hoe manda mafy izay hiaro ny mpanoratra amin'ireo fahavalony.
Yaveh dia lazaina toy ny hoe vatolampy lehibe izay hiaro ny mpanoratra amin'ny fanafihana. DH: "tahaka ny vatolampy lehibe izay ahafahako ho voaaro"
Yaveh dia lazaina toy ny hoe manda mafy izay hiaro ny mpanoratra amin'ireo fahavalony.
Ao amin'ity andianteny ity ny "anarana" dia maneho an'i Yaveh. DH: "mba ho omem-boninahitra ny anaranao" na "mba hahafahako manompo Anao"
Ny teny hoe "tariho" sy "tantano" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy ny fangatahana izay hitondran'i Yaveh azy. DH: "Tariho aho amin'izay tianao alehako"
Ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe vorona voafandrika anaty harato miafina, ary miandry an'i Yaveh hanafaka azy amin'ny fandrika.
Yaveh dia lazaina toy ny hoe toerana izay ahafahan'ny mpanoratra miafina amin'ny olona manafika azy. DH: "Ianao miaro ahy mandrakariva" na "Ianao manome ahy fiarovana maharitra"
Andriamanitra dia fanahy, nefa Izy eto dia lazaina toy ny hoe manan-tanana. Eto ny "tanana" dia manondro ny fiahian'i Yaveh. DH: "ao amin'ny fiahianao"
Eto ny "fanahiko" dia manondro ny mpanoratra. DH: "ametrahako ny tenako"
"Ianao no Andriamanitra izay itokiako"
"Zava-poana ny sampy. Halako izay manompo azy ireny"
Ireo andianteny roa ireo dia samy maneho hevitra fa Andriamanitra mahalala momba ny fahorian'ny mpanoratra.
Eto ny "fanahiko" dia manondro ny mpanoratra. DH: "ny fahoriako"
Eto ny "tongotro" dia manondro ny mpanoratra. DH: "Ianao nametraka ahy"
Ny Hebreo nihevitra ny tany malalaka toy ny hoe sarinteny ho an'ny fiarovana sy fahafahana. DH: "toerana izay mahafaka ahy"
"mijaly mafy aho"
Ny fiteny hoe "fanahy" sy "nofo" dia ampiasaina hamaritana ny tenan'ny olona manontolo.
Eto "ny fiainako" dia manondro ny mpanoratra. DH: "Tonga tena reraka aho"
"nohon'ny alaehloko ... nohon'ny fisentoako"
Ny andianteny hoe "dia reraka" dia tsy misy eto, nefa mahalaza izany. DH: "reraky ny fisentoana ny taonako"
Eto "ny heriko" dia manondro ny mpanoratra. DH: "tonga reraka aho"
Eto "ny taolako" dia manondro ny fahasalamana ara-batan'ny mpanoratra. DH: "mihalefy ny fahasalamako"
"manao tsinontsinona ahy ny olona"
"tohana amin'ny mahazo ahy"
Ny mpanoratra milaza fa toy ny hoe efa maty izy rehefa nohadinoin'ny olona.3
Ny mpanoratra milaza ny teneny toy ny hoe tsy misy dikany intsony izy. "tsy misy dikany toy ny vilany vaky"
Ity dia milaza fa "maro" manondro ny vahoaka. DH: "olona maro no miresaka momba ahy"
"tatitra mampitahotra avy amina loharano maro"
Ity fomba fiteny ity dia midika ho mamono olona. DH: "hamono ahy"
Eto ny "tananao" dia manondro ny fahefan'i Yaveh. DH: "Ianao manana ny fahefana hanapaka ny ho aviko"
"amin'ny olona manao izay hisamborana ahy"
Ny mpanoratra miteny an'i Yaveh miasa aminy amim-pankasitrahana toy ny hoe ny tavan'i Yaveh mitaratra hazavana any aminy. DH: "Miasa amim-pankasitrahana amin'ny mpanomponao"
"Maniry aho mba halan'Andriamanitra baraka ny ratsy fanahy!"
Ity dia manondro ny "olona ratsy fanahy"
Averimberina ity hevitra ity mba hanamafisana ny fanirian'ny mpanoratra ny mba tsy handrenesana ny feon'ny ratsy fanahy.
Eto ny "any amin'ny Fiainan-tsy hita" maneho fahafatesana. DH: "Aoka izy ireo ho faty mba tsy hahafahany miteny"
ireo dia maneho ny olona mpandainga. DH: "olona mandainga"
Eto "ny olo-marina" dia manondro ny olona izay manao ny marina. DH: "izay milaza zava-mahatsiravina momba ny olo-marina"
Ireo fiteny ireo dia manana hevitra mifandraika. DH: "miaraka amin'ny tsy fisiana fanajana"
Azo ambara ho matoanteny izany. DH: "ireo zava-tsoa izay ataonao"
Ny fahatsaran'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe zavatra izay azo tehirizina toy ny vokatra. DH: "izay tehirizinao ho azo ampiasaina foana"
"izay manaja Anao fatratra"
Ny fankanesana any amin'i Yaveh hitady fiarovana dia lazaina ho fialofana ao aminy. DH: "mankany aminy hitady fialofana." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 31:1 DH: "izay mankany aminao hitady fiarovana"
Ireo andianteny roa ireo dia samy midika fa Andriamanitra miaro azy ireo.
Ny fanatrehan'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe tranobe mafy iray hahafahan'ny mpanoratra ho azo antoka.
Eto ny "fialofana" dia maneho toerana azo antoka. DH: "mamatsy toerana azao antoka ho azy ireny Ianao"
Eto ny "lela" dia manondro ny olona izay miteny zavatra mampidi-doza amin'ny mpanoratra. DH: "izay tsy azon'ireo fahavalony hitenenan-dratsy amin'izy ireo"
Azo atao tso-drafitra izany. DH: "Nanala ahy teo amin'ny fanatrehanao Ianao"
Eto ny "imaso" dia manondro ny fanatrehan'i Yaveh. DH: "ny fanatrehanao"
Eto ny "fitarainana" dia azo avadika ho matoanteny. DH: "nandre ahy nitaraina famonjena Iano"
Ity dia manondro ny olona mahatoky. DH: "ny olona izay mahatoky"
Eto ny "mamaly" dia fombe fiteny hanondroana famaizana. DH: "Manome ny olona mpirehareha izay famaizana sahaza azy ireo rehetra Izy"
Salamo nataon'i Davida. Maskila. 1 Sambatra ny olona izay voavela heloka, sy ireo izay voasarona ny fahotany. 2 Sambatra ny olona izay tsy meloka teo amin'i Yaveh sy ireo izay tsy misy fitaka ny fanahiny. 3 Rehefa nangina aho, dia nihaosa ny taolako, raha nitaraina nadritran'ny tonntolo andro aho. 4 Navesatra tamiko andro aman'alina ny tananao. Nalazo tahaka ny amin'ny lohataona maina ny tanjako. Sela 5 Dia nampahafantariko Anao ny fahotako, ary tsy nafeniko intsony ny heloko. Hoy aho: "Hanambara ireo hadisoako amin'i Yaveh aho," dia navelanao ny helokin'ny fahotako. Fiatoana sy fiderana. 6 Noho izany, izay rehetra arak'Andriamanitra dia tokony hivavaka Aminao amin'ny fotoanan'ny fahoriam-be. Ary rehefa manonja mafy ny rano, dia tsy hahazo ireo olona ireo izany. 7 Ianao no toerana fiafenako; hiambina ahy amin'ny fahoriana Ianao. Hodidininao amin'ireo hiram-pandresena aho. Fiatoana sy fiderana. 8 Hanoro lalana anao sy hampianatra anao amin'izay lalana tokony halehanao Aho. Hanoro lalana anao Aho ary hitsinjo anao ny masoko. 9 Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra, izay tsy manana fahazavan-tsaina; fa amin'ny lamboridy sy kapoka ihany no hifehezana azy ireny handeha any amin'izay tianao hitondrana azy ireo. 10 Manana olana maro ny ratsy fanahy, fa ny fanekena mahatokin'i Yaveh kosa no hanodidina izay olona mahatoky Azy. 11 Mifalia amin'i Yaveh, ary miravoa, ianareo ry marina; manaova feo fifaliana, ianareo rehetra izay mahitsy am-po.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Mety ho manondro fomba ara-mozikaly izany.
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. Azo atao tso-drafitra izany. DH: "izay avelan'Andriamanitra ny helony sy saronany ny fahotany"
Eto ny fahotana izay voavela dia lazaina toy ny hoe voasarona mba tsy ho hita. DH: "izay tsy nomarihina ny fahotany" na "izay noadinoina tanteraka ny fahotany"
Eto ny "fanahy" dia manondro ilay olona. DH: "izay tsy misy fitaka ao aminy" na "izay marina tanteraka"
Eto ny "taolana" dia manondro ny mpanoratra. DH: "niha-osa aho" na "nihareraka aho"
Ity fomba fiteny ity dia midika hoe "hatrany hatrany." DH: "tsy misy fitsaharana"
Ireo filazam-potoana ireo dia ahitana izay rehetra eo anelanelany. DH: "amin'ny fotoana rehetra"
Eto ny "tanana" dia manondro an'i Yaveh. Ny fehezanteny manontolo dia fomba fiteny ilazana hoe "nampahory ahy Ianao." DH: "nampijaly mafy ahy Ianao"
Ny tanjak'i Davida dia oharina amin'ny voninkazo maitso sy kely izay miova ho volontany sy mihintsana amin'ny vanimpotoan'ny hain-tany.
Ity dia mety ho fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo izay nandikanao azy ao amin'ny 3:1
Ity dia mety ho fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo izay nandikanao azy ao amin'ny 3:1
"rehefa anaty fahoriambe izy ireo"
Ny fahasahiranana dia lazaina toy ny hoe tondra-drano. DH: "Ary rehefa tonga tahaka ny tondra-drano ny fahasahiranana, dia ho voaaro ireo vahoaka ireo"
Yaveh dia lazaina toy ny hoe toerana azo antoka amin'ny fanafihan'ireo fahavalon'ny mpanoratra. DH: "Ianao dia tahaka ny toerana izay ahafahako miery amin'ireo fahavaloko"
Ity sarinteny ity dia toa midika fa ny fiarovan'i Yaveh ny mpanoratra dia ny antony hiràna ny hiram-pandresena. DH: "Noho Ianao dia hihira hiram-pandresena aho"
Ity dia mety ho fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo izay nandikanao azy ao amin'ny 3:1
Ny teny "hanoro" sy "hampianatra" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy ny fampianarana tsara. DH: "Hampianatra anao izay rehetra momba ny lalana Aho"
Eto ny "Aho" dia mety ho Yaveh izay miresaka mivantana amin'i Davida.
Ny miaina amin'ny lala-marina dia lazaina toy ny hoe lalankely izay tokony alehan'ny mpanoratra. DH: "izay fomba tokony hivelomanao amin'ny fiainanao"
Eto "ny masoko" dia manondro ny fifantohan'i Yaveh. DH: "ary hifantoka aminao" na "hiambina anao" (UDB)
Ny mpanoratra mampitaha ny olona tsy manana fahazavantsaina amin'ny soavaly sy ampondra. Ireo mety ho heviny dia 1) ny mpanoratra milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny mpamaky hoe: "Ianareo rehetra aoka tsy ho tahaka ny soavaly ... Tsy manana fahazavantsaina" 2) Yaveh no miresaka amin'ny mpanoratra toy ny miresaka amin'ny vahoaka.
Fitaovana roa izay ampiasain'ny olona hitarihana ny soavaly sy ampondra hadeha any amin'izay tian'ny mpitaingina halehany.
"amin'izay tian'ny olona handehanany." Ny "anao" eto dia tokana ary tsy manondro olona manokana.
Ny fahatokian'i Yaveh izay "hanodidina" azy dia mahatonga fiarovana sy fitarihana. DH: "hitarika" na "hitantana"
Eto ny "ao amin'i Yaveh" dia manondro izay nataon'i Yaveh ho azy ireo. "Mifalia noho izay nataon'i Yaveh"
Ity dia manondro ny olona. DH: "ianareo ry olo-marina"
"hiaka am-pifaliana" na "hiaka nohon'ny hafaliana"
Eto ny "fo" dia manondro ilay olona. DH: "izay olona mahitsy"
1 Mifalia amin'i Yaveh, ianareo ry marina, ny fiderana dia mety ho an'ny mahitsy. 2 Manomeza fisaorana an'i Yaveh amin'ny harpa; mihirà fiderana ho Azy amin'ny harpa tory folo. 3 Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara ary mihirà an-kafaliana. 4 Fa mahitsy ny tenin'Yaveh, ary ny zava-drehetra ataony dia ara-drariny. 5 Tia rariny sy fahamarinana Izy. Heniky ny fanekena mahatokin'Yaveh ny tany. 6 Tamin'ny tenin'i Yaveh no namoronana ny lanitra, ary ny kintana rehetra dia natao tamin'ny fofon'ain'ny vavany. 7 Manangona ny ranon'ny ranomasina rehetra tahaka ny atontan-javatra Izy; ataony ao amin'ny fitehirizan-drano ny ranomasim-be. 8 Aoka hatahotra an'i Yaveh ny tany manontolo; aoka ho talanjona Aminy ny mponin'ny tany rehetra. 9 Fa niteny Izy, dia tanteraka izany; nandidy Izy, dia nisy teo amin'ny toerany izany. 10 Mandrava ireo fifanarahan'ireo firenena i Yaveh, manapaka eo amin'ny fikasan'ireo vahoaka Izy. Maharitra mandrakizay ny fikasan'i Yaveh. 11 Ny fikasan'ny fony dia ho an'ny taranaka rehetra. 12 Sambatra ny firenena izay manana an'i Yaveh ho Andriamaniny, dia ny olony izay nofidiany ho mpandovany. 13 Mijery avy eny amin'ny lanitra i Yaveh; mahita ny olona rehetra Izy. 14 Avy eny amin'ny toerana izay hitoerany no hitazanany izay rehetra miaina ambonin'ny tany. 15 Izy ilay namolavola ny fon'izy ireo rehetra no mandinika ireo nataon'izy ireo rehetra. 16 Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny tafika maro, ary ny lehilhy mpiady dia tsy voavonjin'ny halehiben'ny heriny. 17 Ny soavaly dia fiarovana mamitaka ho an'ny fandresena; Na dia eo aza ny tanjany lehibe, dia tsy afaka mamonjy izy. 18 Indro, ny mason'i Yaveh dia eo amin'ireo izay matahotra Azy; amin'ireo izay manantena ny famindram-pony mahatoky 19 mba hanafaka ny ain'izy ireo amin'ny fahafatesana, ary mba hamelona azy ireo amin'ny fotoanan'ny mosary. 20 Miandr an'i Yaveh isika, izy no famonjena sy fialofantsika. 21 Mifaly ao Aminy ny fontsika, satria mahatoky ny anarany masina isika. 22 Aoka ny famindram-ponao mahatoky, ry Yaveh, homba anay araka ny fametrahanay ny fanantenanay Aminao.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Eto ny "ao amin'i Yaveh" dia manondro izay nataon'i Yaveh ho azy ireo. "Mifalia amin'izay nataon'i Yaveh"
"ny midera an'i Yaveh dia mendrika ho an'ny olona mahitsy"
Ny andininy tsirairay dia misy fehezanteny roa avy izay tena mifandraika ara-kevitra.
Eto ny "mahitsy" dia ampiasaina ho sarinteny ho an'ny zavatra izay tena marina. DH: "Yaveh manatanteraka izay lazainy fa ho ataony mandrakariva"
Ireo anarana ireo dia azo ambara ho fihetsika. DH: "Tia manao izay marina sy mahitsy Izy" na "Tia ireo izay manao ny marina sy mahitsy Izy"
Eto ny "Henika ny tany" dia fomba fiteny izay midika fa afaka jerena manerana ny tany rehetra ny famindrampony. DH: "Ny famindrampon'i Yaveh dia afaka andramana manerana ny tany rehetra"
Ity dia manondro ny tenin'i Yaveh. DH: "tamin'ny teniny"
Ny andininy tsirairay dia misy fehezanteny roa avy izay tena mifandraika ara-kevitra.
"tahaka ny ao ambadiky ny toha-drano." Ny mpanoratra mamaritra ny namoronana ny ranomasina toy ny hoe antontan'Andriamanitra hikambana ny rano rehetra.
Ny mpanoratra manoritra ny namoronana ny ranomasimbe toy ny hoe Andriamanitra mametraka ireny ao amina trano fitehirizana. DH: "apetrany amin'ny fitoerany ireo ranomasimbe, toy ny lehilahy iray mametraka vary ao an-tsompitra"
Ity dia manondro ny olombelona ambonin'ny tany. DH: "Aoka ny olo-drehetra amin'ny tany
Eto ny "hijoro am-pitalanjonana" dia fomba fiteny izay midika hoe "migagà." DH: "omeo voninahitra Izy" (UDB)
Eto ny "tafatoetra" dia fomba fiteny ilazana hoe "voahary." DH: "nanomboka nisy" (UDB)
Ny andininy tsirairay dia misy fehezanteny roa avy izay tena mifandraika ara-kevitra.
"Yaveh mandrava" na "Yaveh mamotika"
Eto ny "firenena" dia manondro ny vahoakan'ireo firenena ireo. DH: "ny fifanarahan'ny vahoakan'ireo firenena samihafa"
Ny fifanarahana dia fifanekena eo amina firenena roa na mihoatra mba hifanohana amin'ny ady amina fahavalo iraisana.
"ny zava-kendren'ny vahoaka" DH: "ireo teti-dratsin'ny olo-maro"
Ny fiteny "maharitra" dia mahalaza. DH: "ny fikasan'ny fony dia maharitra ho an'ny taranaka rehetra"
Eto ny "fony" dia manondro an'i Yaveh. DH: "ny fikasany"
"ho an'ny taranaka rehetra ho avy." Fomba fiteny midika hoe "mandrakizay" izany.
Eto "ny firenena" dia manondro ny olon'ny firenena. DH: "Sambatra ny olon'ny firenena"
"izay manompo an'i Yaveh ho Andriamanitra"
Ny vahoakan'i Yaveh nisafidy hanompo Azy eto dia soritsoritana toy ny hoe lova izay noraisiny.
Ny toerana izay onenan'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe any ambonin'ny tany izay onenan'ny olombelona.
Eto ny "fo" dia manondro ny fisainan'ireo vahoaka ireo. Ny mpanoratra miteny an'i Yaveh mitarika ny fisainan'ny olona toy ny hoe mpanefy tanimanga izay namolavola lovia jobo. DH: "mitantana ny fisainan'izy ireo toy ny mpanefy tanimanga mamolavola lovia jobo"
Eto ny "soavaly" dia maneho ny ampahany matanjaka indrindra amin'ny tafika. DH: "Ny fananana tafika misy soavaly matanjaka akory dia tsy mba hamatsy fiarovana"
Ity teny ity dia mampiseho fa misy lohahevitra vaovao miantomboka amin'ity Salamo ity. DH: "Henoy izao zavatra andeha holazaiko izao"
Eto ny "maso" dia manondro ny fifantohan'i Yaveh. DH: "ny fifantohan'i Yaveh"
"izay miandry"
Eto "ny ain'izy ireo" dia manondro ny vahoaka. DH: "hihazonana azy ireo amin'ny fahafatesana"
Eto ny "miandry" dia fomba fiteny hanondroana hoe matoky. DH: "Matoky an'i Yaveh izahay" (UDB) na "manantena an'i Yaveh izahay"
Eto Yaveh dia lazaina toy ny hoe ampinga izay miaro ny miaramila iray ao anaty ady. DH: "Izy no mpamonjintsika sy miaro antsika tahaka ny ampinga"
Eto ny "fo" dia manondro ny vahoaka. DH: "Mifaly izahay"
Eti ny "ananrana masina" dia manondro ny toetra masin'i Yaveh. DH: "ny toetrany masina" na "aminy satria masina Izy"
Ity fomba fiteny ity dia midika hoe "vonjeo izahay." DH: "miasa hahatsara anay" na "vonjeo izahay" na "arovy izahay"
"raha manantena ny famonjenao izahay"
Salamo nataon'i Davida; rehefa mody adala teo anoloan'i Abimeleka izy, izay nandroaka azy. 1 Hidera an'i Yaveh amin'ny fotoana rehetra aho, ho eo am-bavako mandrakizay ny fiderana Azy. 2 Hidera an'i Yaveh aho! Aoka ny ory handre ka hifaly. 3 Miaraha midera an'i Yaveh amiko. Aoka hiaraka hanandratra ny anarany isika. 4 Nitady an'i Yaveh aho dia namaly ahy Izy, ary nanome fandresena ahy tamin'ny tahotro rehetra Izy. 5 Ireo izay mijery Azy dia mamirapiratra, ary tsy misy henatra ny endrik'izy ireo. 6 Ity olona ory ity dia nitomany ary dia nandre azy i Yaveh ka nanavotra azy tamin'ny fahoriany rehetra. 7 Mitoby eo amin'ireo izay matahotra Azy ary mamonjy azy ireo Ny anjelin'i Yaveh. 8 Andramo ary zahao fa tsara i Yaveh. Sambatra ny olona izay mialoka Aminy. 9 Matahora an'i Yaveh, ianareo olony masina. Tsy hanan-java-mahory ireo izay matahotra Azy. 10 Indraindray dia tsy ampy sakafo ny liona tanora ka mijaly hanoana, fa ireo izay mitady an'i Yaveh kosa dia tsy ho ory zava-tsoa. Avia, anaka, mihainoa ahy. 11 Hampianatra anareo ny fahatahorana an'Yaveh aho. 12 Olona iza no maniry fiainana ka tia andro maro, ka hahita ny soa izy? 13 Koa ambeno amin'ny ratsy ny lelanao ary ambeno ny amin'ny filazana lainga ny molotrao. 14 Halaviro ny ratsy ary manaova ny tsara. Mitadiava fiadanana ka araho izany. 15 Ny mason'i Yaveh dia eo amin'ny marina ary ny sofiny mihaino ny tomanin'izy ireo. 16 Ny tavan'i Yaveh dia manohitra ireo izay manao ratsy, mba hanesorana ny fahatsiarovana azy ireo eto an-tany. 17 Mitaraina ny marina ary mandre i Yaveh ka mamonjy azy ireo amin'ny fahoriany rehetra. 18 Akaikin'ny fo torotoro i Yaveh, ary mamonjy ireo izay torotoro fanahy Izy. 19 Maro ireo olan'ny marina, nefa manafaka azy ireo amin'izany rehetra izany Yaveh. 20 Mihazona ny taolany rehetra Izy, tsy hisy ho tapaka na dia ny iray amin'ireo aza. 21 Hamono ny ratsy fanahy ny loza. Ho voaheloka ireo izay mankahala ny marina. 22 Mamonjy ny ain'ireo mpanompony i Yaveh. Tsy hisy ho voaheloka ireo izay mialoka ao aminy.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
"niseho toy ny olona adaladala"
Ity dia manondro tranga ara-tantara manokana izay fantatry ny Hebreo tsara. DH: "tamin'izy tao an-tranon'i Abimeleka" na "fony izy gadran'i Abimeleka"
"nandefa azy tamin-katerena"
Eto ny "eo am-bavako" dia manondro an'i Davida miresaka momba an'i Yaveh. DH: "hidera Azy amin'ny feo avo aho"
Ity dia manondro ny vahoaka izay nampahoriana. DH: "ny olona ory"
Ny matoanteny hoe "miderà" dia filaza mandidy ho an'ny vondrona iray. DH: "Tokony hidera an'i Yaveh miaraka amiko ny rehetra"
Eto ny "manandratra" dia fomba fiteny manondro fanandratana an'i Yaveh. DH: "lazao amin'ny olona ny fahalehibiazany"
Eto ny "anarany" dia manondro ny toetran'i Yaveh. DH: "ny toetrany"
Eto ny "nitady an'i Yaveh" dia midika fa niantso vonjy tamin'i Yaveh i Davida. DH: "Nivavaka tamin'i Yaveh aho" (UDB) na "nangataka famonjena tamin'i Yaveh aho"
Eto ny "mijery" dia maneho fitadiavana vonjy aminy. DH: "Izay mijery Azy hitady famonjena" na "izay manantena famonjena avy aminy irery ihany"
Ity fomba fiteny ity dia manondro ny endrik'izy ireo ivelany ho miramirana. DH: "dia miramirana" (UDB)
Eto ny "tavan'izy ireo" dia manondro ny olona izay mijery an'i Yaveh. Azo ambara amin'ny fomba mihiba ihany koa izany. DH: "tsy mba menatra izy ireo" na "mirehareha izy ireo"
Davida mamaritra ny tenany ho toy ny lehilahy nampahoriana. DH: "Nampahoriana aho ary"
Eto ny "nandre" dia midika fa Yaveh namonjy azy. DH: "Yaveh nandre ahy" na "Yaveh namonjy ahy"
Ny anjelin'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe tafika iray izay mitoby eo amin'olona iray mba hiarovana azy. DH: "mpiambina" (UDB)
Ny fahatsaran'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe zavatra izay azo andramana sy izahana. DH: "Andramo sy hiaino fa tsara Yaveh"
Yaveh dia lazaina toy ny hoe toerana afaka hieren'ny olona mba ho fiarovana amin'ireo fahavalony. DH: "matokia Azy mba hiarovana azy ireo" (UDB)
Izany dia azo ambara amin'ny endrika mihiba. DH: "Izay matahotra Azy dia hahazo izay ilainy mandrakariva"
Azo atao amin'ny endrika mihiba izany. DH: "hanana ireo zava-tsoa ilainy mandrakariva"
Eto Izany akory tsy manondro ireo zanaky ny mpanoratra ara-bakiteny eto, fa kosa manondro ireo olona izay ampianariny momba an'i Yaveh. DH: "ry mpianatro"
Ny valinteny tsy dia mazava amin'ity fanontaniana ity dia "ny olona rehetra." Ity fanontaniana fampisainana ity dia dia azo adika ho fanambarana. DH: "Ny olona rehetra dia maniry fiainana ary maniry hiaina andro marosy hanana fiainana mamy"
Ireo andianteny roa ireo dia manondro zavatra mitovy ary lazaina amina fomba samihafa mba hanamafisana ny maha zava-dehibe izany.
Eto ny "lela" dia manondro ilay olona manontolo. DH: "Noho izany, dia aza miteny ratsy"
Eto ny "molotra" dia manondro ilay olona miteny. DH: "aza milaza lainga"
Eto ny "Hanalavitra" dia sarinteny ho amin'ny fialàna ny ratsy. DH: "Aza manaiky hanao ratsy" (UDB)
Eto ny "mitadiava" dia midika ho miraharaha fihavanana. DH: "Miezaka mafy hiaina amim-piadanana amin'ny olon-kafa"
Eto "ny mason'i Yaveh" manondro ny fandinihan'i Yaveh. DH: "Yaveh mandinika ny olo-marina"
Eto ny "sofiny" dia manondro ny fanirian'i Yaveh hamaly azy ireo. DH: "mijery ny fitarainan'izy ireo Izy" na "mamaly ny fitarainan'izy ireo Izy"
Yaveh hanao ny olona ho adinoina tanteraka rehefa maty dia toy ny hoe nampiasa antsy hamongorana ny fahatsiarovana azy ireo Izy. DH: "izany dia mba hanadinoin'ny olona tanteraka azy ireo rehefa maty izy ireo"
Eto ny "mandre" dia midika fa Yaveh maniry hamaly azy ireo. DH: "Mifantoka amin'izy ireo Yaveh"
Eto ny "akaiky" midika "vonona hanampy." DH: "Vonona hanampy mandrakariva Yaveh" (UDB)
Ny alahelo lalina dia lazaina toy ny hoe maratra ny fon'ilay olona. DH: "ireo olona izay malahelo loatra"
Ny olona izay kivy tanteraka dia lazaina toy ny hoe ny fanahin'izy ireo mihitsy no torotoro. DH: "ireo olona izay kivy tanteraka"
Eto ny "taolany rehetra' dia ara-bakiteny, nefa midka ihany koa io fa Yaveh miahy ny amin'ilay olona manontolo. DH: "Mamatsy fiarovana tanteraka ho azy Izy, tsy ho tratry ny loza na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana"
Ny loza dia faritana toy ny hoe lehilahy iray izay afaka mamono olona. DH: "Hamono azy ireo ny asa ratsy vitan'ny olona ratsy fanahy"
Manondro ny olona ratsy fanahy izany.
Manondro ny olo-marina izany.
Azo atao tso-drafitra izany, ary azo atao amin'ny endrika mihiba ihany koa. DH: "Yaveh hamela izay rehetra mialoka eo aminy"
Ny fankanesana any amin'i Yaveh hitady fiarovana dia lazaina ho fialofana ao aminy. DH: "mankany aminy hitady fialofana"
1 Salamo nataon'i Davida. Yaveh, miasà amin'ireo izay miasa hanohitra ahy; miadia amin'ireo izay miady amiko. 2 Raiso ny ampinga kely sy ampinga lehibenao; mitsangàna ka ampio aho. 3 Ampiasao amin'ireo izay mihaza ahy ny lefona sy ny famaky fiadianao; lazao amin'ny fanahiko hoe: "Izaho no famonjenao." 4 Aoka ho menatra sy ho afa-baraka ireo izay mitady ny aiko. Aoka hihemotra sy ho very hevitra ireo izay mitetika hanisy ratsy ahy. 5 Aoka ho tahakan'ny akofa eo anatin'ny rivotra izy ireo, raha mitondra azy ireo ny anjelin'i Yaveh. 6 Aoka ho maizina sy malama ny lalan'izy ireo, rehefa manenjika azy ireo ny anjelin'i Yaveh. 7 Mametraka harato ho ahy tsy amin'ny antony izy ireo, miady lavaka ho an'ny aiko tsy amin'ny antony izy ireo. 8 Aoka hamely tampoka azy ireo ny fandringanana. Aoka ny harato izay napetrak'izy ireo mba hisambotra azy ireo ihany. Aoka izy ireo hianjera ao amin'izany, dia ao amin'ny faharavany. 9 Nefa hifaly amin'i Yaveh aho, ary hiravo amin'ny famonjeny. 10 Ny taolako rehetra hilaza hoe: "Ry Yaveh, iza no tahaka Anao, izay mamonjy ny ory amin'ireo izay matanjaka loatra ho azy ireo sy ny malahelo ary ny mahantra amin'ireo izay mitady handroba azy ireo?" 11 Mitsangàna ny vavolombelona tsy marina; miampanga lainga ahy izy ireo. 12 Mamaly ratsy ahy amin'ny soa ataoko izy ireo. Malahelo aho. 13 Saingy, rehefa narary izy ireo, dia nanao ankanjo fisaonana aho; nifady hanina ho azy ireo tamin'ny fanondrehana ny lohako teo amin'ny tratrako aho. 14 Ny alaheloko azy ireo dia tahaka ny alaheloko ny rahalahiko, nitanondrika tahaka ny misaona reny aho. 15 Nefa raha tafintohina aho, dia nifaly izy ireo ka nivory; niara-niangona hanohitra ahy izy ireo, ary taitra noho izy ireo. Tsy nitsahatra namely ahy izy ireo. 16 Tsy misy fifanajana intsony no nanesoany ahy; nihidy vazana tamiko izy ireo. 17 Tompo o, mandra-pahoviana no hitazananao ahy? Vonjeo amin'ny fandrinaganan'izy ireo ny fanahiko, ary ny aiko amin'ny liona. 18 Ka hisaotra Anao eo amin'ny fiangonan-dehibe aho; hidera anao eo amin'ny olona maro aho. 19 Aoka tsy hifaly amiko ireo fahavaloko mpamitaka; aoka izy ireo tsy hahatanteraka ireo teti-dratsiny. 20 Fa tsy miresaka fiadanana izy ireo, nefa mitetika hilaza fitaka hanohitra ireo izay miaina am-piadanana ao amin'ny taninay. 21 Manoka-bava hivazavaza ahy izy ireo; hoy izy ireo hoe: "Aha, Aha, ny masonay no efa nahita izany." 22 Efa nahita izany Ianao, ry Yaveh, koa aza mangina; ry Tompo, aza manalavitra ahy. 23 Misandrata ary mifohaza hiaro ahy; Ry Andriamanitro sy Tompoko, tohano ny adiko. 24 Arovy aho, ry Yaveh Andriamanitro, noho ny fahamarinanao; aoka tsy hifaly amiko izy ireo. 25 Aoka izy ireo tsy hanao ao anakam-po hoe: "Aha, azonay izay nirianay." Aoka izy ireo tsy hanao hoe: "Efa nolevoninay izy." 26 Aoka ho menatra sy ho very hevitra ireo izay te hanisy ratsy ahy. Aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka ireo izay maneso ahy. 27 Aoka hihiaka am-pifaliana sy ho ravo ireo izay nirary ny fahamarinako; aoka izy ireo hiteny mandrakariva hoe: "Hoderaina anie Yaveh, Izy ilay mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony." 28 Dia hilaza ny fahamarinanao sy hidera Anao amin'ny andro rehetra aho.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ireo andianteny roa ireo dia samy mamaritra an'Andriamanitra ho toy ny mpiady izay mivonona hiatrika ady.
Fitaovam-parovantena ireo.
Fitaovam-parovantena ireo.
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo fhavalo ireo dia mihaza ara-bakiteny ny mpanoratra na 2)izany dia sarinteny ho an'ny olona izay fahavalon'ny mpanoratra.
Izany dia manondro ny mpanoratra. DH: "lazao ahy"
Azo ambara tsy misy ilay anarana izany. DH: "Izaho no mpamonjy anao" na "hamonjy anao Aho"
"Maniry aho mba"
Eto ny "mikendry ny aiko" dia midika fa maniry hamono ny mpanoratra izy ireo. DH: "izay mitady hamono ahy" (UDB)
"hiamboho" dia sarinteny ho an'ny tsy fahafahana manatanteraka ny tanjony. DH: "tsy hahomby"
"hivoraka" na "sadaikatra"
Ireo fahavalon'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe akofa izay tsofina mora foana. DH: "voatsokan'ny rivotra toy ny akofa"
Eto ny "lalan'izy ireo" dia manondro ny fiainany. DH: "ny fiainan'izy ireo"
Izany dia manondro lalana izay nafenina sy mampidi-doza. DH: "miafina sy feno loza"
Izany dia manondro ny anjelin'i Yaveh izay manohitra ireo fahavalon'ny mpanoratra. DH: "miasa hanohitra azy ireo" na "manohitra azy ireo"
Ny teti-dratsin'ireo ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe harato izay napetrak'izy ireo hisamborana ny mpanoratra. DH: "Te hisambotra ahy ao amin'ny harato toy ny biby madinika izy ireo"
Ny teti-dratsin'ireo ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe lavaka izay nohadian'izy ireo hisamborana ny mpanoratra. DH: "Te hisambotra ahy ao amin'ny lavaka toy ny misambotra biby vaventy izy ireo"
Izany dia manondro ny mpanoratra. DH: "ahy"
Ny fahapotehana dia lazaina toy ny hoe biby lozabe izay mety hamely tampoka azy ireo. DH: "Aoka izy ireo tsy hanampo satria noravana tampoka"
Ny teti-dratsin'ireo ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe harato izay napetrak'izy ireo hisamborana ny mpanoratra. DH: "ny harato izay napetrak'izy ireo mba hisamborana ahy toy ny biby ary hamelezana ahy"
Ity dia sarinteny mitovy amin'ny ao amin'ny andininy faha 7. DH: "Aoka izy ireo ihany no ho lavo ao amin'ny lavaka izay nohadiany ho ahy"
Ireo mety ho heviny dia 1) lavo ao anatin'ny lavaka ao amin'ny andininy 7 na 2) lavo ao anaty fandringanana.
Ny anarana "fandringanana" dia azo atao amin'ny endrika hafda. DH: "mba ho voaringana izy ireo" na "izany no fomba tokony andringananao azy ireo"
Ny anarana "famonjena" dia azo ambara ho matoanteny. DH: "satria Ianao mamonjy ahy"
Eto ny "taolana" dia manondro ny anaty farany lalina indrindran'ny olona iray. DH: "Ny anatiko manontolo" (UDB)
Ny valinteny tsy dia mazava amin'io fanontaniana io dia tsy misy tahaka an'i Yaveh. DH: "Yaveh o, Tsy misy tahaka Anao ... ireo izay mitady handroba azy ireo."
Ny teny hoe "malahelo" sy "mahantra" dia midika zavatra mitovy ary manamafy fa Yaveh mamonjy ny maro izay mila ny famonjeny.
Midika izany fa mijoro vavolombelona ao amin'ny fitsarana. DH: "manolotena hanolotra fijoroana vavolombelona"
Ity dia sarinteny izay midika fa izy ireo mamerina ratsy ho takalon'ny tsara izay noraisin'izy ireo. DH: "Ho valin'ny zava-tsoa nataoko tamin'izy ireo, dia zava-dratsy no ataon'izy ireo amiko" (UDB)
Azo atao amin'ny endrika hafa ireo anarana ireo. DH: "zava-dratsy ... zava-tsoa"
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo "vavolombelona tsy marina" (35:11)
"nampiseho aho fa nalahelo" (UDB)
Ity dia mari-pamantarana ho an'ny vavaka. "tamin'ny lohako naondrika ho amin'ny vavaka"
Ny mpanoratra dia nalahelo toy ny amin'ny rahalahy iray tampo aminy maty. DH: "nalahelo toy ny hoe narary ny rahalahiko aho"
Ny mpanoratra nisaona toy ny amin'ny reniny maty. DH: "nisaona toy ny hoe maty reny aho"
Izany dia mariky ny fijaliana sy fangirifiriana.
"niara-tonga" na "niara-nivory"
Izany dia midika fa niara-tonga mba hamely ny mpanoratra izy ireo. DH: "mba hikasa hanohitra ahy" na "mba hikasa ny fahapotehako"
Eto izy ireo mitondra ny mpanoratra toy ny hoe singan-damba izay azon'izy ireo rovidrovitina izy. DH: "namely ahy izy ireo"
"Nambanian'izy ireo tamin'ny olona tsy misy dikany aho" na "Tsy misy fanajana intsony fa ataon'izy ireo fiomehezana aho"
Izany dia mariky ny hatezerana sy fankahalana. "nanao feo nikasokasoka tamin'ny nifiny tamiko izy ireo"
Ity fanontaniana fampisainana ity dia manondro milaza fa ny mpanoratra dia maniry an'Andriamanitra hitsahatra hijery azy fotsiny ary hanomboka hanampy azy. DH: "mandra-pahoviana Ianao no hijery fotsiny azy ireo manoa izao"
Eto ny "fanahy" manondro ny mpanoratra. DH: "Avoty aho"
Ny teny hoe "mamonjy" dia mahalaza azy tsara. DH: "Vonjeo amin'ny liona ny aiko"
Ity dia manondro ny mpanoratra. DH: "aho"
Eto ny mpanoratra milaza ireo fahavalony toy ny hoe liona mivika. DH: "amin'ireo fahavaloko izay mamely ahy tahaka ny bibidia"
"Aza avela hifaly eo amiko ireo fahavaloko, izay milaza lainga momba ahy"
"ireo fikasan-dratsiny"
Ny anarana "fihavanana" dia azo ambafra amin'ny endrika hafa. DH: "tsy mba miresaka amim-pihavanana amin'olona izy ireo"
"mitady fomba hilazana lainga" (UDB)
"izay miaina amim-piadanana ao amin'ny taninay"
Ny anarana hoe "fiadanana" dia azo ambara amin'ny endrika hafa. DH: "tsy manosy ratsy ny hafa" (UDB)
Ny antony anokafan'izy ireo ny vavany dia mba hiampangana ny mpanoratra. DH: "Miteny mafy ahy izy ireo mba hiampangana ahy" (UDB)
Ity dia fanairana ampiasaina rehefa mahita na mahatsapa zavatra tampoka. Manamafy ny fanambarana manaraka izany.
Eto ny "masonay" dia manondro ny mason'ireo fahavalo fahavalo. Ny hevitra ambadik'izany dia izy ireo milaza fa nahita ny mpanoratra nanao fahadisoana. DH: "efa nahita izany izahay" na "nahita ny fahadisoana nataonao izahay" (UDB)
ET ny "izany" dia manondro ireo fiamgangana lainga ataon'ireo fahavalo amin'ny mpanoratra. DH: "Efa nahita Ianao ny fomba niampangan'izy ireo lainga tamiko"
"aza dinganina izay nataon'izy ireo" Izany dia azo ambara amin'ny fomba mihiba. DH: "tsarao amin'izay nataony izy ireo"
Azo atao amin'ny endrika mihiba izany. DH: "manatòna akaiky dia akaiky ahy"
Ity tsy midika akory fa Andriamanitra tsy hoe tena resin-tory. Ny mpanoratra mila an'Andriamanitra hiditra an-tsehatra. Ireo teny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary manamafy ny maha vonjimaika ny fangatahany. DH: "Izaho mahatsapa fa toa matory Ianao! Mifohaza"
Ity anarana ity dia azo ambara amin'ny fomba hafa. DH: "hiaro ahy"
Ity dia manondro ny mpanoratra. DH: "aho"
"aza avela ho ravo izy ireo satria aho mijaly"
Ity dia fomba fiteny izay midika hoe miteny amin'ny tenany ihany. DH: "hiteny amin'ny tenany ihany"
Ity dia fanairana ampiasaina rehefa mahita na mahatsapa zavatra tampoka. Manamafy ny fanambarana manaraka izany. DH: "Eny"
ny hevitr'izany dia ireo fahavalon'ny mpanoratra naniry ny hanambarana azy ho meloka. DH: "efa nomelohana araka izay notadiavinay izy!"
Ireo fahavalon'ny mpanoratra miteny ny fahavoazany toy ny hoe bibidia izy ireo ary nihinana azy. DH: "Efa notelominay izy" na "Efa nopotehinay izy"
"menarina" na "mifamahofaho"
Manompa olona mba hampatezitra azy
Eto ny henatra sy fahafam-baraka dia lazaina toy ny hoe lamba fitafy mahamenatra izay azon'ny mpanoratra itafiana izany. Ireo anarana ireo dia azo avadika ho matoanteny. DH: "menatra sy afa-baraka"
Ireo fiteny ireo midika zavatra mitovy ary ampiasaina hanamfisana ny ho fitontonganan'izy ireo.
Eto ny "fanamarinana" dia manondro an'i Yaveh manambara na mitsara ny mpanao salamo ho tsy manan-tsiny.
"aoka izy ireo hiteny hatrany"
"ilay mifaly amin'ny" na "ilay ravoravo amin'ny"
Hafaliana
Ny anarana hoe "fahitsiana" dia azo avadika ho matoanteny. DH: "hanambara fa Ianao dia miasa amin'ny lala-mahitsy" (UDB)
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida mpanompon'i Yaveh. 1 Avy ao am-pony lalina no hilazan'ny olon-dratsy ny helony, tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra eo amin'ny masony. 2 Fa mampionon-tena izy, mihevitra fa tsy ho voasarona sy ho hankahalaina ny fahotany. 3 Ny teniny dia fahotana sy fitaka; tsy te ho hendry sy hanao soa izy. 4 Mitady fomba hanotana izy, raha mandry eo am-pandriana; manomboka manao zava-dratsy izy; tsy manary ny ratsy izy. 5 Ny fanekenao mahatoky, ry Yaveh, dia mipàka amin'ny lanitra; ary ny tsy fivadihanao dia mipàka amin'ny rahona. 6 Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitr'Andriamanitra; ny fitsaranao dia tahaka ny lalim-be. Ry Yaveh, Ianao no mamonjy ny olombelona sy ireo biby. 7 Endrey ny hasarobidin'ny fanekenao mahatoky, ry Andriamanitra! Mialoka eo ambany haloky ny helatrao ny olombelona. 8 Ho afa-po amin'ny habetsaky ny hanina ao an-tranonao izy ireo; hamela azy ireo hisotro amin'ny reniranon'ny fitahianao sarobidy Ianao. 9 Fa ao Aminao no misy ny loharanon'aina; ao amin'ny fahazavanao no hahitanay fahazavana. 10 Hitaro tanteraka amin'ireo izay mahafantatranao ny fanekenao mahatoky, ny fiarovanao amin'izay mahitsy fo. 11 Aza avela hanatona ahy ny tongotrin'ny mpiavonavona. Aza avela handroaka ahy ny tanan'ny ratsy fanahy. 12 Teny no efa nianjeran'ireo mpanao ratsy; nolavoan'ix=zy ireo ary tsy afaka niharina.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Eto ny "maso" dia manondro ny olona ratsy fanahy. DH: "eny aminy"
"aleony mino" na "te hihevitra izy"
Ity dia manondro ny filazany. DH: "Izay lazainy"
Ny "soa" dia azo ambara amin'ny fomba hafa. DH: "manao zava-tsoa"
Ny asa fahotan'ny olona iray dia lazaina toy ny hoe izy nandeha tamina lalankely feno faharatsiana. DH: "manomboka manao zava-dratsy izy"
Ny "ratsy" dia azo atao amin'ny fomba hafa. DH: "tsy mandà fihetsika feno faharatsiana izy"
Ny fahalehibiazan'ny famindrampon'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe tena avo. DH: "dia avo tahaka ny lanitra" na "dia lehibe dia lehibe"
Ny fahalehibiazan'ny fahatokian'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe tena avo. DH: "dia avo tahaka ny rahona" na "dia lehibe dia lehibe"
Ireo andianteny roa ireo dia manoritsoritra ny fahalehibiazan'ny fahamarinana sy fitsaran'Andriamanitra toy ny hoe tena avo sy lalina. DH: "avo tahaka ny tendrombohitra avo indrindra ... lalina tahaka ny ranomasina lalina indrindra"
"Ianao no manampy" na "Ianao no mamonjy"
Ny famindrampon'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe firavaka tsy dia fahita firy sy lafovidy. DH: "sarobidy tahaka ny firavaka tsy dia fahita firy ny famindramponao"
"Hitady fiarovana ny olona"
Andriamanitra akory tsy hoe tena manan'elatra. Ity dia sarinteny ho an'ny fiarovan'Andriamanitra. DH: "Mialoka ao aminao tahaka ny voronkely mitady fialofana ambany elatry ny reniny ny olombelona"
Tsy midika akory izany fa manana trano misy hanina Andriamanitra. Ity dia sarinteny ho an'ny famatsiana tsy manam-petra. DH: "toy ny hoe nihinana ny hanim-be avy tao an-tranonao" na "amin'ny fitahianao mahatretrika"
Misy sarinteny roa eto. Ny fitahiana mahatretrik'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe rano izay mikoriana amin'ny renirano. Ary koa, izay mandray ireny fitahiana ireny dia lazaina toy ny hoe misotro ireny toy ny rano. DH: "ny fitahianao sarobidy dia tahaka ny renirano izay hamelanao azy ireo hisotro"
"fipoiran'ny fiainana"
Eto ny "hazavana" dia sarinteny ho an'ny fahalalana marina. DH: "rehefa manazava any Ianao, dia ho fantatray tokoa ny marina" na "ny fahazavanao no mamela anay hahalala ny marina momba Anao" (UDB)
"Tohizo ny famindranao fo"
Ny anarana "fiarovana" dia azo ambara ho matoanteny. Azo ampiasaina ny hoe "tohizo" avy amin'ny fehezanteny teo aloha. DH: "Manohiza miaro ny mahitsy fo"
Eto ny "fo" dia manondro ny olona. DH: "ny olo-marina" na "ny olona izay manao ny marina"
Eto ny "tongotra" sy "tanana" dia manondro ny olon-dratsy. Tsy olona voatondro manokana izany. Manondro ny olona amin'ny ankapobeny izany. DH: "olona mpirehareha ... olona ratsy fanahy"
"manala ahy amin'ny fitoerako" na "mandefa ahy"
Ireo andianteny telo ireo dia mamaritra ny mpanao ratsy ho resy.
"tsy tafafoha"
1 Salamo nataon'i Davida. Aza tezitra noho ireo mpanao ratsy; aza maniry ireo izay manao ny tsy marina. 2 Fa ho maina tsy ho ela tahaka ny bozaka izy ireo ary halazo tahaka ireo zava-maniry. 3 Matokia an'i Yaveh ary manaova ny tsara; mitoera en amin'ny tany ary hampitomboy ny fahatokiana. 4 Avy eo mankasitraha an'i Yaveh, dia homeny anao izay irian'ny fonao. 5 Atolory an'i Yaveh ny lalanao; matokia Azy, dia hiasa ho anao Izy. 6 Hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy ary ny tsy fahamelohanao tahaka ny andro amin'ny mitatao vononana. 7 Milamina manoloana an'i Yaveh ary miandrasa Azy am-paharetana. Aza tezitra raha misy olona mahomby amin'ny zavatra ataony, na rehefa manao teti-dratsy izy. 8 Aza tezitra sy kivy. Aza matahotra. Matahonga korontana fotsiny izany. 9 Ho tapahana ireo mpanao ratsy, fa ireo izay miandry an'i Yaveh kosa dia handova ny tany. 10 Afaka fotoana fohy dia hanjavona ny olon-dratsy; hijery eo amin'ny toerany ianao, fa izy kosa ho lasa. 11 Fa ny malemy fanahy dia handova ny tany ary hisitraka amin'ny fanambinana lehibe. 12 Ny lehilahy ratsy fanahy dia manao teti-dratsy manohitra ny marina ary manidy ny nifiny aminy. 13 Mihomehy azy ny Tompo, satria hitany fa tonga ny androny. 14 Namoaka ny sabany ny ratsy fanahy ary nanenjana ny tsipikan'izy ireo tamin'ny ory sy mahantra, mba hamono ireo izay mahitsy. 15 Handefona ny fon'izy ireo manokana ny sabatr'izy ireo, ary ho simba ny tsipikan'izy ireo. 16 Tsara kokoa ny kely ananan'ireo marina noho ny habetsaky ny an'ireo olon-dratsy. 17 Fa ho tapahana ny tanan'ny olona ratsy fanahy, satria Yaveh manohana ny olo-marina. 18 Yaveh dia mijery isan'andro isan'andro an'ireo tsy manan-tsiny, ary ny lovan'izy ireo dia ho mandrakizay. 19 Tsy ho menatra izy ireo rehefa ratsy ireo andro. Rehefa tonga ny mosary, dia hanana ny ampy ho hanina izy ireo. 20 Tsy ho faty ny olona ratsy fanahy. Ho tahaka ny voninahitr'ireo saha ireo fahavalon'i Yaveh; ho levona izy ireo ary ho levon-ko setroka. 21 Ny olona ratsy fanahy dia mindrana fa tsy mamerina, fa ny olona-marina kosa malala-tanana sy manome. 22 Ireo izay notahian'Andriamanitra dia handova ilay tany; ireo izay hozonony dia ho tapahana. 23 Amin'ny alalan'i Yaveh no hametrahana ny dian'ny olona, ny olona izay azo baikoina eo imason'Andriamanitra ny lalany. 24 Na dia tafintohina aza izy, dia tsy mba hianjera, satria mihazona azy amin'ny tanany Yaveh. 25 Efa tanora aho fa antitra ankehitriny; tsy mbola nahita olo-marina nilavo lefona aho na nangataka mofo ny zanany. 26 Mamindra fo sy mampindrana mandrakariva izy, ary lasa fitahiana ny zanany. 27 Mialà amin'ny ratsy ary manaova izay marina; dia hilamina mandrakizay ianao. 28 Fa tia fitsaràna Yaveh ary tsy mandao ireo mpanara-diany mahatoky. Voaaro mandrakizay izy ireo, fa ireo taranaky ny ratsy fanahy kosa ho tapahana. 29 Handova ny tany ary hiala ao mandrakizay ny marina. 30 Ny vavan'ny olo-marina dia miteny fanhendrena ary mampitombo fitsaràna. 31 Ny lalàn'ny Andriamaniny dia ao am-pony; tsy ho solafaka ny tongony. 32 Ny olona ratsy fanahy dia mijery ny olo-marina ary mitady ny hamono azy. 33 Tsy hanary azy eo an-tanan'ny olon-dratsy Yaveh na hanameloka azy rehefa notsaraina izy. 34 Miandrasa an'i Yaveh ary tandrovy ny lalany, ary hanangana anao Izy mba ho fanananao ny tany. Ho hitanao rehefa tapahana ny ratsy fanahy. 35 Efa nahita olona ratsy fanahy sy nampihorohoro olona niely tahaka ny hazo maitso amin'ny taniny aho. 36 Fa rehefa nandalo teo indray aho, dia tsy teo izy. Nitady azy aho, fa tsy hita izy. 37 Araho maso ny olona tsy mivadika, ary farito ny olo-marina; hisy ho avy tsara ho an'ny olon'ny fiadanana. 38 Ho ringana tanteraka ireo mpanota; tapaka ny ho avin'ny olona ratsy fanahy. 39 Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin'i Yaveh; miaro azy ireo Izy amin'ny fotoan'ny korontana. 40 Manampy azy ireo Yaveh ka manavotra azy ireo. Manavotra azy ireo amin'ny olon-dratsy Izy ary mamonjy azy ireo satria efa nialoka tao Aminy izy ireo.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
"Aza avela hanohina anao ny olona ratsy fanahy" na "Aza mety ho tohina amin'izay ataon'ny olona ratsy fanahy" (UDB)
Ny mpanao ratsy dia lazaina toy ny hoe ahitra sy zava-maitso izay maina sy maty amin'ny andro mafana. Ireo fampitahana roa ireo dia midika fa ho faty izy ireo. DH: "maty" na "tonga amin'ny fiafarana"
Ny fahatokiana dia lazaina toy ny hoe biby izay mety hatanjahana amin'ny alalan'ny famahanana azy amin'ny fihinanambilona tsara. DH: "mifahana fahatokiana" na "ampitomboy ny fahatokianao"
Eti ny "fo"dia maneho ny anaty sy ny fisainan'ilay olona. DH: "ny faniriana anatinao, lalina indrindra" na "ireo zavatra izay irianao indrindra" (UDB)
Eto ny "omeo ny lalanao" dia fomba fiteny izay midika ho fangatahana amin'i Yaveh hibaiko ny fiainanao. DH: "Mangataha an'i Yaveh hitantana ny asanao eo amin'ny fiainanao"
Ity dia maneho fomba ara-dalàna iray hafa. Eto, rehefa mitoky amin'i Yaveh ny olona iray, dia hiaro izany olona izany Izy ary hanatanteraka fahamarinana ho an'izany olona izany.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy.
Izany dia midika "ampahibemaso." DH: "mazava jerena toy ny taratry ny andro"
Izany dia midika "miseho tahaka ny masoandro amin'ny atoandro be nanahary." DH: "mora hita tahaka ny hazavana amin'ny fotoana mazava indrindran'ny andro"
"Milamìna"
Ny faharavan'ny ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe sampan-kazo izay hofongorina izy ireo ary hariana.
"fa izay matoky amin'i Yaveh kosa
Ny fananana ny tany dia lazaina toy ny hoe ho raisina toy ny lova izany. DH: "handray ny tany ho fananany" na "honina tsy misy ahiahy ao amin'ny tany"
Ity fomba fiteny ity dia manondro ny fahafatesan'ny lehilahy ratsy fanahy. DH: "ho faty ary tsy hahita azy intsony ianao"
Ity dia manondro ny olona izay malemy fanahy. DH: "ny olona malemy fanahy"
Ny fananana ny tany dia lazaina toy ny hoe ho raisina ho lova izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 37:8. DH: "handray ny tany ho fananany" na "honina tsy hanana ahiahy ao amin'ny tany"
Izany akory tsy manondro olona manokana. Manondro ny olona ratsy fanahy amin'ny ankapobeny izany. DH: "ny olona ratsy fanahy"
Izany akory tsy manondro olona manokana. Manondro ny olona marina izany. DH: "ny olo-marina"
mankahala ny olo-marina tanteraka ny lehilahy ratsy fanahy hany ka ampifampikosehiny ny nifiny mba hanehoany ny hatezerany.
Manambara izany fa "ny androny" dia ho andron'ny fitsarana. DH: "ho avy ny andro izay hitsarana sy hanafaizan'i Yaveh azy" na "ho avy ny andro izay hitsarana sy hanafaizan'i Yaveh ny olona ratsy fanahy"
Izany dia manondro ny olona ratsy fanahy. DH: "Ny olona ratsy fanahy"
Na ny "sabatra" na ny "tsipìka" dia fitaovam-piadiana ampiasaina hamelezana olona. Ny hoe izy ireo "namoaka" sy "nanenjana" midika fa vonona izy ireo hanomboka hamely. DH: "efa nanomana ny fitaovam-piadiany mba hamely"
Ity fandringanana ny olo-mahantra ity dia lazaina toy ny hoe vilany tanimanga izay ho potipotika izy ireo rehefa atsipy amin'ny tany. DH: "hamotika"
Ireo fiteny roa ireo dia manondro ny olona izay tsy manan-kery hiarovana ny tenany. DH: "ny olona izay tsy afa-manohitra azy ireo"
Ny sabatra dia ohatra amin'ny fitaovam-piadiana ary ny "fo" dia maneho ny olona. Mba "hanatsatohana ny fo" dia fomba fiteny midika hoe "mamono." DH: "Ny fitaovam-piadian'izy ireo ihany no hivadika aminy ary hamono azy ireo"
Eto,ny tapany faharoa amin'ny fehezanteny dia manohitra ny voalohany. DH: "Tsara kokoa ny marina, na dia hoe mahantra aza ianao, toy izay ratsy fanahy misy harena be."
"Tsara kokoa ny marina, na dia hoe mahantra aza ianao"
Izany dia manondro ny fananana kely.
Ity dia manondro ny olona izay marina. DH: "ananan'ny olo-marina"
Ity dia manondro ny haren'ny olona ratsy fanahy.
Eto ny "sandry" dia maneho ny tanjaky ny olona ratsy fanahy. Ny famotehana ny sandriny dia maneho ny fanalana ny tanjany. DH: "Fa Yaveh hanala ny tanjaky ny olona ratsy fanahy"
Ny "miambina" midika hoe miaro olona. Eto "ny mahitsy" dia manondro ny olona mahitsy. DH: "miaro ny olona mahitsy"
"hatrany hatrany"
Ity andianteny ity dia manondro ireo loza, toy ny mosary. DH: "rehefa mitranga ny loza"
Ny mpanoratra mampitaha ireo fahavalon'i Yaveh amin'ny voninkazo mamelana any an-tsaha.
Ny mpanoratra miresaka ny faharinganan'ny ratsy fanahy toy ny hoe ahi-dratsy na voninkazo malazo any an-tsaha izay nodorana aorian'ny famokarana. DH: "Yaveh handringana azy ireo toy ny afo mandevona ny ahi-dratsin'ny saha ho setroka"
Ireo dia midika zavatra mitovy ary manamafy ny falalahan-tanan'ny marina.
Ny fananana ny tany dia lazaina toy ny hoe efa noraisina toy ny lova izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 37:8. DH: "handray ny tany ho fananany" na "ho ekena honina amim-piadanana ao amin'ny tany"
Ny faharinganan'ny olona ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe sampan-kazo izay notapahina sy nariana izany. DH: "Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 37:8
Ireo dia azo ambara hanehoana fifandraisana mazava sy hanazavana ny fehezanteny mivadi-drafitra. DH: "Raha misy lehilahy miaina amin'ny fomba azo baikoina eo imason'i Yaveh, dia hahatomombana ny diany Yaveh"
Tsy manondro olona manokana akory ity, fa kosa ny olona amin'ny ankapobeny.
Maneho ny lalam-piainan'ny olona iray ny dia. DH: "ny lalam-piainanan'ny lehilahy iray"
Eto ny "tafintohina" sy "lavo" dia manondro ny fihetsik'olona iray amin'ny fotoan-tsarotra. DH: "Na dia ao anaty fotoan-tsarotra aza izy, dia tsy ho lavo izany"
Eto ny "tanany" dia manondro ny herin'i Yaveh, ary ny "mihazona azy" dia manondro ny fiarovana azy. DH: "miaro azy amin'ny heriny"
Azo avadika ho tso-drafitra izany. DH: "Yaveh nahafoy ny olo-marina"
Izany akory tsy manondro olona manokana. Fa fanambarana amin'ny ankapobeny izany.
Eto ny "mofo" dia maneho sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "mangataka hanina"
Ity fomba fiteny ity dia midika fa io fihetsika io dia fahazarana amin'ny fiainany.
"mihalehibe ireo zanany mba hitahy ny hafa"
Ny fitsaharana manao zavatra iray dia lazaina toy ny hoe miala amin'izany ilay olona. DH: "mijanòna amin'ny fanaovana"
Ny faharinganan'ny ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe sampan-kazo izay notapahina sy nariana. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 37:8
Ity dia manondro ny olona izay marina. DH: "ny olo-marina"
Ny fananana ny tany dia lazaina toy ny hoe efa noraisina ho lova izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 37:8. DH: "handray ny tany ho fananany" na "ho ekena honina ao amin'ny tany tsy misy ahiahy"
Eto ny "vava" dia maneho ilay olona manontolo izay miteny. DH: "ny olo-marina"
Ny anarana hoe "fahendrena" dia azo ambara ho asa. DH: "manome torohevitra amim-pahendrena ho an'ny hafa" (UDB)
Ny anarana hoe "rariny" dia azo ambara ho asa. DH: "mampahery ny olon-kafa hiaina amim-pahitsiana" (UDB)
Eto ny "ao am-pony" dia manondro ny anaty lalina indrindra. DH: "Mitahiry ireo didin'Andriamaniny ao anatiny izy"
Eto ny tsy fahombiazana ny hankatò an'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe solafaka amin'ny lalankely marina ary lavo. DH: "handeha amim-piadanana amin'ny lalana izay tian'Andriamanitra alehany izy" na "hanao ireo zavatra izay tian'Andriamanitra ataony amim-piadanana izy"
Tsy olona manokana akory ireto. Manondro ireo karazan'olona ireo izany amin'ny ankapobeny.
Eto ny fijerevana dia midika mandinika ny marina mba hanaovan-dratsy amin'izy ireo. DH: "miandry hamelezana ny olo-marina"
Eto ny "tanana" dia maneho ny fahefana sy fifehezana. DH: "ny fahefan'ny olon-dratsy"
Ity dia manondro an'i Yaveh mitsara ny lehilahy marina. DH: "Rehefa mitsara azy Yaveh"
Eto ny "hanandratra" dia manondro an'Andriamanitra manome voninahitra izay miandry Azy. DH: "hanome voninahitra anoa Izy amin'ny fanomezany anao ny tany" (UDB)
Ity dia manondro ireo olona ratsy fanahy. DH: "ny olona ratsy fanahy"
Ny faharinganan'ny ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe sampan-kazo izay notapahina sy nariana. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 37:8
Tsy manondro olona manokana akory izany. Fa fanambarana amin'ny ankapobeny.
Eto ny fahombiazan'ny lehilahy ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe hazo maitso salama tsara izay maniry amin'ny tany mahavokatra.
Tsy manondro olona manokana akory izany. Fa fanambarana amin'ny ankapobeny.
"mariho tsara ny olona tsara" na "fantaro ny olona tsara"
Azo avadika ho tso-drafitra izany. DH: "Andriamanitra hamarana ny fitohizan-taranany" na "tsy hanan-taranaka intsony izy"
Ity dia manondro ireo taranany. DH: "ireo taranany"
Tsy manondro olona manokana akory izany. Fa fanambarana amin'ny ankapobeny.
Ny faharinganan'ny ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe sampan-kazo izay notapahina sy nariana. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 37:8
Ny anarana "famonjena" dia azo avadika ho asa. DH: "Yaveh mamonjy ny olo-marina" (UDB)
Ity dia manondro ny olo-marina. DH: "ny olo-marina"
Ity hevitra mitovy ity dia averimberina amin'ny fomba maro samihafa mba hanamafisana fa Yaveh dia azo ianteherana sy afaka manome vonjy.
Ny fankanesana any amin'i Yaveh hitady fiarovana dia lazaina ho fialofana ao aminy. DH: "efa nankany aminy izy ireo hitady fiarovana"
1 Salamo nataon'i Davida, mba hitondrana fahatsiarovana. Ry Yaveh, aza miteny mafy ahy amin'ny hatezeranao; aza manazasy ahy amin'ny fahaviniranao. 2 Fa mandefona ahy ny tsipikanao, ary manindry ahy ny tananao. 3 Marary nohon'ny hatezeranao avokoa ny vatako manontolo; tsy misy fahasalamana ao amin'ny taolako nohon'ny fahotako. 4 Fa manenika ahy ny heloko; enta-mavesatra ho ahy ireo. 5 Manaintaina ireo ratrako ary mamofona noho ireo adalako. 6 Mitanondrika aho ary afa-baraka isan'andro; misaona andro lava aho. 7 Fa ao anatiko, dia feno firehetana, tsy misy fahasalamana ao amin'ny nofoko. 8 Torovana aho ary torotoro tokoa; misento nohon'ny fangirifirian'ny foko aho. 9 Tompo o, fantatrao ny faniriana lalina indrindra ao am-poko, ary tsy miafina aminaony sentoko. 10 Midobodoboka ny foko, miha-malazo ny heriko, pahina ny fahitan'ny masoko. 11 Ireo sakaizako sy ireo mpiara-mitory amiko dia manalavitra ahy noho ny toe-javatra misy amiko; mijoro mihataka ahy ireo namako. 12 Mamelatra fandrika ho ahy ireo izay mikendry ny aiko. Ireo izay mikendry ny handratra ahy dia miresaka fahapotehana ka milaza teny fitaka ny tontolon'ny androny. 13 Fa izaho, tahaka ny olona marenina aho ary tsy mahare na inona na inona; tahaka ny olona moana tsy milaza na inona na inona. 14 Tahaka ny lehilahy izay tsy mandre sy tsy manana valin-teny aho. 15 Miandry Anao tokoa aho, ry Yaveh; hamaly Ianao, ry Tompo Andriamanitro. 16 Milaza izany aho mba tsy ho faly amiko ireo fahavaloko. Raha solafaka ny tongotro, dia hanao zava-doza amiko izy ireo. 17 Fa mby tafintohina aho, ary manaintaina foana. 18 Miaiky ny heloko aho; manahy ny amin'ny fahotako aho. 19 Kanefa maro be ireo fahavaloko; maro ireo izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana. 20 Mamaly ratsy ahy izy ireo noho ny tsara; mitoraka fiampangana ahy izy ireo na dia nanaraka izay tsara aza aho. 21 Aza mamela ahy, ry Yaveh; Andriamanitro, aza manalavitra ahy. 22 Tongava faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, mpamonjiko.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ireo andianteny ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary ny hevitra dia averimberina ho fanamafisana.
Ny hamafisan'ny famaizan'i Yaveh ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe Yaveh nandefa zana-tsipìka tany amin'ny mpanoratra. DH: "Ny famaizanao dia mampanaintaina tahaka ny hoe Ianao nandefa zana-tsipìka taty amiko"
Ny famaizan'i Yaveh ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe Yaveh namotipotika ny mpanoratra tamin'ny tanany. Eto, ny "tanana" dia manondro ny herin'i Yaveh. DH: "manamontsana ahy ny herinao"
Davida manohy manoritsoritra ny hoe inona no ataon'ny helony sy ny henatra amin'ny vatany. Mampiasa filaza masaka izy mba hanamafisana ny vokatr'ity lesona ity.
Eto ny "taolako" dia maneho ny tenan'ny mpanoratra. DH: "ny tenako manontolo no marary nohon'ny fahotako"
Ireo heloky ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe tondra-drano izay manafotra azy. DH: "manafotra ahy tahaka ny tondra-drano ny heloko"
Ireo heloky ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe enta-mavesatra izay tsy hainy manainga. DH: "tahaka ny entana izay mavesatra loatra ho ahy ireny"
Davida manohy manoritsoritra ny hoe inona no ataon'ny helony sy ny henatra amin'ny vatany. Mampiasa filaza masaka izy mba hanamafisana ny vokatr'ity lesona ity.
Eto ny "mamofona" dia manondro ireo ratrany mamoaka fofona ratsy izay mifandraika amin'ny nofo lo. DH: "mihanaka sy masiso toy ny lo ireo ratrako"
Ny fanaintainan'ireo ratran'ny mpanoratra no nampitanondrika azy toy ny lahiantitra sy osa. DH: "Mitanondrika amim-panaintainana aho"
Mararin'ny tazo izay toy ny hoe mahamay ny ao anatiny. DH: "main'ny tazo ny vatako" (UDB)
Eto ny "nofoko" dia manondro ny mpanoratra. DH: "marary tanteraka aho"
Ny fahararian'ny mpanoratra mafy izay toy ny hoe vesatra lehibe manindry azy"
Eto ny "foko" dia manondro ny mpanoratra. DH: "ny fangirifiriako"
Eto ny "foko" dia manondro ny mpanoratra. Mety ho manampy ny manambara ny fanirian'ny mpanoratra hahazo fahasalamana tsara. DH: "Ny faniriako lehibe" na "fa maniry Anao hanasitrana ahy aho"
Ity fomba fiteny ity dia midika fa midobodoboka mafy ny fony. DH: "midobodoboka mafy ny foko"
"miova ho osa loatra aho"
"tsy afa-mahita tsara intsony aho"
Ireo teti-dratsin'ireo fahavalon'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe fandrika izay novelarin'izy ireo hisamborana azy toy ny biby. DH: "mamelatra fandrika hisamborana ahy" (UDB)
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy ny maha mpanimba izay lazain'ny olona"
Ny andalana voalohany amin'ny andininy 13 sy 14 dia mampiasa fampitahana mba hanehoana ny sarin'ny lehilahy marenina iraisana. Ny mpanoratra dia tena marary ka tsy afa-mandre.
Ny andalana faharoa amin'ny andininy 13 sy 14 dia mampiasa fampitahana mba hanehoana sarin'ny lehilahy moana. Ny mpanoratra dia tena marary ka tsy afa-miteny.
Olona izay tsy afa-miteny
Ireo mety ho heviny dia 1) "hamaly ahy Ianao" na 2) "hamaly ireo fahavaloko Ianao"
"mba tsy hifaly amin'ny fahoriako"
Eto ny "tongotro" dia maneho ny mpanoratra. Ny maha solafaka ny tongony dia sarinteny izay manondro ny fahorian'ny mpanoratra sy ny faharatsiam-bintany. DH: "Raha manao fahadisoana izay mahatonga fahoriana aho"
Ireo mety ho hevitr'ity sarinteny ity dia 1) "Tena marary efa ho faty aho" na 2) "Ho ringana aho afaka fotoana fohy." Mety ho ity no fandikana tsara indrindra ao amin'ny lahatsoratra.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy.
Ny fihetsik'ireo fahavalon'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe famindrana vola izay nanomezan'izy ireo zava-dratsy ho solon'ireo zava-tsoa. Ny anarana "ratsy" sy "soa" dia azo ambara ho asa. DH: "manome ahy asa ratsy izy ireo ho takalon'ny asa soa nataoko ho azy ireo"
Ny fomba iampangan'ireo fahavalon'ny mpanoratra azy dia lazaina toy ny hoe izy ireo mitoraka fiampangana any aminy toy ny vato.
Ny mpanoratra maniry izay tsara dia lazaina toy ny hoe izy nanenjika zava-tsoa.
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy.
Satria Yaveh tsy mbola namaly ny fangatahan'ny mpanoratra, dia izy miteny an'i Yaveh toy ny hoe Yaveh nijoro lavitra ny mpanoratra.
Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe Izy mihazakazaka mankany amin'ny mpanoratra mba hamonjy azy.
Ny anarana "famonjena" dia azo ambara ho asa. DH: "Ianao no ilay manavotra ahy"
Ho an'ny mpiventy hira, ho an'i Jedotona. Salamo nataon'i Davida. 1 Nanapa-kevitra aho hoe: "Hitandrina izay lazaiko aho mba hanotako amin'ny lelako. Hofeheziko ny vavako rehefa eo amin'ny fanatrehan'ny olon-dratsy aho." 2 Nihazona fahanginana aho; tsy niteny aho na dia tamin'ny fitenenana ny tsara aza, ary nitombo ny fanaintainako. 3 Niha-nafana ny foko; rehefa nihevitra ny momban'ireo zavatra ireo aho, niredareda toy ny afo izany. Dia niteny ihany aho nony farany. 4 Yaveh o, Ampahafantaro ahy izay fetran'ny aiko sy ny faran'ny androko. Asehoy ahy ny hafohezan'ny fiainako. 5 Indro, nataonao toy ny sakan'ny tanako fotsiny ihany ny androko, ary ny androm-piainako dia toy ny tsy inon-tsy inona eo anatrehanao. Indray mandeha monja ihany ny fofon'ain'ny olona rehetra. Sela 6 Mandehandeha toy ny aloka tokoa ny olona rehetra, Maika hanangona harena tokoa ny olon-drehetra na dia tsy fantatr'izy ireo akory aza izay handray ireo. 7 Ankehitriny, Tompo o, inona no andrasako? Ianao irery no hany fanantenako. 8 Avoty amin'ny fahotako aho; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala. 9 Mangina aho ary tsy afa-manokatra ny vavako, satria Ianao no efa nanao izany. 10 Aoka izay ny fandratrana ahy; manafotra ahy ny fitsokan'ny tananao. 11 Rehefa mananatra olona noho ny fahotana Ianao, dia mandevona ireo zavatra izay iriany tahaka ny kalalao; azo antoka tokoa fa tsy inon-tsy inona ny olona fa zava-poana. Sela 12 Henoy ny fivavako, ry Yaveh, ary mihainoa ahy; mihainoa ny tomaniko! Aza manampin-tsofina amiko, fa tahaka ny vahiny aho aminao, mpitsoa-ponenana toy ireo razambeko rehetra. 13 Esory amiko ny sazinao mba hahafahako mitsiky indray mialohan'ny hahafatesako.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Nanana anarana mitovy amin'izany ny iray amin'ireo mpiventy hiran'i Davida. Izany dia mety manondro azy.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
"Hitandrina izay zavatra lazaiko aho"
Eto ny "lela" dia manondro ny lahatenin'ny mpanoratra. DH: "mba tsy hilazako zavatra manafintohina amin'i Yaveh"
Ny "mifehy" dia midika hoe mihazona ny vava tsy hiteny. Eto Davida dia milaza fa tsy hiloa-bava izy raha mbola miaraka amin'ny olon-dratsy.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary manamafy fa tsy miteny izany ny mpanoratra. DH: "nangina tanteraka aho" (UDB)
Eto ny "fo" dia maneho ilay olona manontolo. Ny fisainana manahin'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe afo mandoro ao anatiny. DH: "Tonga ho nanahy loatra aho rehefa nihevitra ny momba ireo zavatra ireo"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy ihany amin'ny ankapobeny.
"Asehoy ahy ny hafohezan'ny fiainako" na "Asehoy ahy ny maha akaiky ny hafatesako"
Ny mpanoratra miteny ny faharetany toy ny hoe azo refesina amin'ny zehin'ny tanany izany. DH: "fotoana fohy monja"
Ity fampitahana ity dia manambara fa ny halavan'ny fiainan'ny mpanoratra dia fohy dia fohy ka toy tsy misy izany. Izany dia fanitarana mba hanamafisana fa tena fohy izany. DH: "ny halavan'ny fiainako dia zara raha misy"
Ny hafohezan'ny fiainana dia lazaina toy ny hoe arakaraka ny fotoana laniny ho an'ny olona iray amin'ny fifohana rivotra amin'ny fofonaina tokana. DH: "Ny fotoana izay hiainan'ny olombelona dia fohy tahaka ny fofonaina tokan'ny olona iray."
Ny fiainan'ny olona dia lazaina fa tsinontsinona tahaka ny aloka. DH: "Manjavona tahaka ny ataon'ny aloka ny rehetra"
Eto izany dia midika fa izy ireo dia tsy mahafantatra izay hitranga amin'ny haren'izy ireo aorian'ny hahafatesany. Ny dikan'ity fanambarana ity feno dia azo atao mazava tsara.
Ny mpanoratra mametraka ity fanontaniana ity mba hanamafisana fa tsy afaka hanampy azy ny olona. Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo avadika ho fanambarana. DH: "Koa ankehitriny, Yaveh o, mahazo manantena aho ny tsy handray na inona na inona na amin'iza na amin'iza." (UDB)
Ireo andianteny ireo dia midika zavatra mitovy ihany.
"satria avy aminao ny famaizana ahy"
Ny famaizan'Andriamanitra ny mpanoratra dia lazaiana toy ny hoe Andriamanitra mandratra azy amin'ny fitaovam-piadiana. DH: "Mba aoka re izay ny fanafaizana ahy!"
"resy tanteraka aho"
Ny famaizan'Andriamanitra ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra mamely azy amin'ny totohondry. Eto ny "tanana" maneho ny fitsaran'Andriamanitra. DH: "ny fitsaranao ahy"
Andriamanitra hanala ireo zavatra izay omen'izy ireo lanja tahaka ny fomba hihinanan'ny kalalao rambon-damba. DH: "handevona ireo zavatra toy ny kalalao mihinana lamba"
Ny mpanoratra miteny ny fahosan'ny olona toy ny hoe zavona izay tsy hita faingana. DH: "marefo tanteraka ny rehetra"
Ireo andianteny telo ireo dia midika zavatra tokana ihany ary mampiseho ny mpanoratra mila mafy an'Andriamanitra mamaly azy.
Ny mpanoratra miteny ny tsy famalian'i Yaveh azy toy ny hoe Yaveh manampin-tsofina. DH: "Aza mandingana ahy toy ny hoe Ianao tsy afa-mandre ahy"
Ny mpanoratra miteny ny tsy famalian'i Yaveh toy ny hoe Yaveh manao azy toy ny olon-kafa tanteraka. DH: "tahaka ny olon-kafa tanteraka aho aminao"
Eto ny "sazinao" dia maneho ny famaizan'i Yaveh. DH: "Mba aoka re izay ny famaizanao ahy"
Eto ny "mitsiky" dia mifanaraka amin'ny maha faly. DH: "mba hahafahako mifaly indray"
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. 1 Niandry tamim-paharetana an'i Yaveh aho; nihaino ahy Izy ary nandre ny tarainako. 2 Nitondra ahy hiakatra avy tao an-davaka mahatsiravina Izy, avy tao amin'ny fotaka mandrevo, ka nampijoro ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ary niaro ny diako. 3 Nasiany hira vaovao teo imolotro, fiderana ho an'Andriamanitsika. Maro no hahita izany ka hanome voninahitra Azy sy hitoky amin'i Yaveh. 4 Sambatra ny olona izay manao an'i Yaveh ho tokiny sy tsy manome voninahitra ny mpirehareha na ireo izay mpivadika aminy ho amin'ny lainga. 5 Maro, ry Yaveh Andriamanitro, ireo asa mahagaga izay efa vitanao, ary tsy tambo isaina ny hevitrao momba anay; raha manambara sy milaza ireny aho, dia ho mihoatran'izay azo isaina ireny. 6 Tsy mankasitraka sorona na fanatitra Ianao, fa nanokatra ny sofiko; tsy mba nangataka fanatitra dorana na fanatitra noho ny ota Ianao. 7 Dia hoy aho hoe: "Indro, tonga aho; voasoratra ao amin'ny horonam-boky ny momba ahy. 8 Sitrako ny hanao ny sitra-ponao, Andriamanitro o; ato am-poko ny lalànao." 9 Efa nanambara vaovao mahafalin'ny fahamarinanao tamin'ny fiangonan-dehibe aho; Yaveh o, fantatrao fa tsy nangina tamin'ny fanaovana izany ny molotro. 10 Tsy nokoboniko tao am-poko ny fahamarinanao; efa namabarako ny fahatokianao sy ny famonjenao; tsy nokoboniko tamin'ny fiangonan-dehibe ny fanekem-pahatokianao sy ny fahamendreham-pitokianao. 11 Aza manakana ny asam-pamindram-ponao tsy ho amiko, ry Yaveh; aoka ny fanekenao mahatoky sy ny fahamendreham-pitokianao hiaro ahy mandrakariva. 12 Manodidina ahy ny korontana izay tsy tambo isaina; nahatratra ahy ireo heloko ka tsy afaka mahita na inona na inona intsony aho; betsaka noho ireo volo eo an-dohako ireo, ary reraka ny foko. 13 Mifalia, ry Yaveh, amin'ny fanavotana ahy; faingàna hanampy ahy, ry Yaveh. 14 Aoka ho menatra sy ho diso fanantenana tanteraka izy ireo izay mikendry ny aiko mba haka izany. 15 Aoka ho tohina noho ny fahafaham-barakany, ireo manao amiko hoe: "Ahah, ahah!" 16 Fa aoka hiravoravo sy hifaly aminao ireo rehetra mitady Anao; aoka ny rehetra tia ny famonjenao hiteny mandrakariva hoe: "Hoderaina anie Yaveh." 17 Mahantra sy ory aho; nefa mihevitra ny momba ahy ny Tompo. Ianao no famonjena ho ahy ary tonga amin'ny fanavotana ahy Ianao; aza mitaredretra, Andriamanitro o.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Izany dia midika fa niandry an'i Yaveh hamonjy azy ny mpanoratra.
Midika zavatra mitovy ireo, ary azo ampiarahina ho fanambarana tokana. DH: "nihaino ahy Izy tamin'izaho niantso mafy Azy" (UDB)
Ireo sarinteny roa ireo dia midika zavatra mitovy. Ny loza mihatra amin'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe lavaka feno fotaka mahafaty. Izany dia manamafy ny loza. DH: "amin'ny fahababoana ao amin'ny lavaka feno fotaka miraikidraikitra mahatsiravina"
Eto ny "tongotro" dia manondro ny mpanoratra, ary ny "vatolampy" dia manondro toerana azo antoka. DH: "namatsy fiarovana ho ahy Izy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "Nampianatra ahy fihiram-baovao Izy" 2) "Nanome ahy antony hihirana vaovao Izy."
Eto ny "imolotro" dia manondro ny mpanoratra. DH: "tao amiko"
Ny anarana hoe "dera" dia azo avadika ho matoanteny. DH: "hira fiderana ho an'Andriamanitra"
Eto ny "hahita izany" dia manondro ny fihainoana ny mpanoratra mihira ny fihirany momba izay efa nataon'Andriamanitra taminy. DH: "Maro ny olona no handre ahy hilaza izay efa nataon'i Yaveh"
"Sambatra ny olona izay matoky an'i Yaveh" na "Izay mitoky amin'i Yaveh dia sambatra"
Izany dia manondro ny olona izay mirehareha.
Tsy mazava tsara ny teny Hebreo. Ireo mety heviny dia 1) "lainga" na 2) "andriamanitra diso" (UDB)
Ireo andianteny ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Ny voalohany dia ambara amin'ny endrika mihiba, ary ny faharoa koa mihabo.
Izany dia fanitarana mba hampisehoana fa tsy ireo zavatra ireo no ilay manan-danja indrindra amin'Andriamanitra. DH: "Tsy sorona na fanatitra hafa no zavatra izay ankasitrahanao indrindra"
Eto ny "sofina" dia manondro ny fahazarana mihaino. DH: "Ianao nanao ahy hihaino ireo didinao" (UDB)
Izany dia fanitarana mba hampisehoana fa tsy ireo zavatra ireo no ilay manan-danja indrindra amin'Andriamanitra. DH: "tsy biby dorana eo amin'ny alitara na fanatitra nohon'ny ota hafa no zavatra angatahanao indrindra"
Izany dia manondro ny horonana izay nanoratana ny tenin'i Yaveh. DH: "ny horonana firakitra"
Eto ny "foko" dia manondro ny anaty amin'ny mpanoratra. DH: "misaina mandrakariva ny lalànao aho ao anatiko ao" (UDB)
"Efa nilaza tamin'ny fiangonan'olona marobe ny vaovao mahafalin'ny fahamarinanao aho"
Izany dia manondro ny vaovao mahafaly izay anavotan'Andriamanitra ny vahoakany. DH: "vaovao mahafaly izay satria marina Ianao,ary manavotra ireo vahoakanao"
Eto ny "molotro" dia manondro ny lahatenin'ny mpanoratra. DH: "tsy nitsahatra tamin'ny fanambarana ireo zavatra ireo aho"
"Tsy nokoboiniko ho tsiambaratelo ny fahamarinanao." azo atao amin'ny endrika mihiba ihany koa izany. DH: "Nolazaiko malalaka tamin'ny olona rehatra ny fahamarinanao"
Eto izany dai manondro ny ao anaty amin'ny mpanoratra.
Azo avadika amin'ny endrika mihiba izany. DH: "Nolazaiko tamin'olona rehetra tao amin'ny fiangonan-dehibe ny momba ny famindramponao sy ny fahamarinanao"
Ity anarana ity dia azo avadika ho asa. DH: "ny maha mahatoky Anao amin'ny fihazonana ny fampanantenanao"
Ity anarana ity dia azo ambara ho asa. DH: "ny maha mendri-pitokisana Anao"
Eto ny "famindrampo" sy "fahamarinana" dia lazaina toy ny hoe olona izay afaka miaro ny mpanoratra. DH: "Mila ny famindramponao sy ny fahamarinanao aho hiaro ahy mandrakariva"
Eto ny fahoriana dia lazaina toy ny hoe zavatra izay mihodidina sy hisambotra ny mpilaza. DH: "misy fahoriana maro kokoa mihoatra izay voaisako manodidina ahy" na "fahoriana maro kokoa no tonga amiko mihoatra izay voaisako"
Ity dia natao amin'ny endrika mihiba mba hanamaroana ny isa. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 40:5. DH: "izay lehibe amin'ny isa"
Ity dia manondro ny vokatry ny otany. DH: "ireo vokatry ny heloko"
Ireo heloky ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe fahavalo izay mamely azy.
Ny dika-teny dia samihafa araka ny fahatakarana ity andalana izay sarotra ity. Mety milaza izany fa mitomany loatra ny mpanoratra ka tsy afaka mahita na inona na inona noho ny ranomasony.
Eto ny "fo" dia manondro ny toky ao anatiny. DH: "Kivy tanteraka aho" (UDB)
Eto ny "mikendry haka ny aiko" dia midika fa maniry hamono ny mpanoratra izy ireo. DH: "izay mitady hamono ahy"
Ny najanona na nandamòka dia lazaiana toy ny hoe niamboho amin'ny fanafihany. DH: "nitsahatra"
"Aoka ireo izay manao amiko hoe: 'Aha, aha!' ho tohina noho ny henatra"
"Manantena aho fa ho tohina izy ireo rehefa mampamenatra azy ireo Ianao"
Ny "Aha, aha!" dia zavatra lazain'ny olona rehefa manamavo olona izy ireo. Raha misy zavatra izay ilazan'ny olona natao ho fanamavoana ny fiteninao, dia azo ampiasaina izany. Azo avadika ho matoanteny ihany koa izany toy ny "manamavo."
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy ihany ary manamafy ny fahalehibiazan'ny hafaliana. DH: "mifalia tanteraka" (UDB)
Ny anarana "famonjena" dia azo ambara ho asa. DH: "tia Anao satria nanavotra azy ireo Ianao" (UDB)
Ireo teny ireo dia midika zavatra mitovy ihany ary manamafy fa tsy fahafa-manoatran'ny mpanoratra. DH: "tena ory"
ny Tompo mikarakara ahy"
Ireo andianteny ireo dia midika zavatra mitovy.
"Ianao no ilay mamonjy ahy"
"tonga hanamvotra ahy Ianao"
Izany dia azo atao amin'ny fomba mihabo. DH: "valio faingana:
1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Sambatra izay mahatsiaro ny osa; amin'ny androm-pahoriana, no hanavotan'i Yaveh azy. 2 Hiaro sy hitandrina azy tsy ho faty Yaveh, ary dia ho sambatra eto an-tany izy; tsy hamadika azy amin'ny sitrapon'ireo fahavalony Yaveh. 3 Hanohana azy eo amin'ny fandrian'ny fijaliana Yaveh; hanao ny fandrian'ny aretina ho fandrian'ny fanasitranana Ianao. 4 Hoy aho ghoe: "Yaveh o, mamindrà gfo amiko! Sitrano aho, fa efa nanota taminao aho." 5 Miteny ratsy ahy ireo fahavaloko, manao hoe: 'Rahoviana izy no ho faty ary ny anarany ho levona?' 6 Raha tonga mba hizaha ahy ny fahavaloko, dia miteny zavatra zava-poana izy; manangona ireo lozako ho an'izany ihany ny fony; rehefa mandao ahy izy, dia milaza ny momban'izany amin'ny hafa. 7 Ireo rehetra mankahala ahy mira-mitakoritsika mamely ahy; manantena ny handratra ahy izy ireo. 8 Hoy izy ireo hoe: "Misy aretina mafy mifikitra aminy; izao izy mandry, ka tsy hitsangana intsony." 9 Eny fa na dia ny namako akaiky aza, izay natokisako, izay nihinana ny mofoko, dia efa nanangana ny ombalahin-tongony hanohitra ahy. 10 Fa ianao, ry Yaveh, manàna famindram-po amiko ary atsangano aho hahafahako mamaly azy ireo. 11 Amin'izany no hahalalako fa faly amiko ianao, satria tsy maharesy ahy ny fahavaloko. 12 Raha ny amiko, dia manohana ahy amin'ny tsy fivadihanao Ianao ary hihazona ahy eo anatrehan'ny tavanao mandrakizay. 13 Ho deraina rahatrizay ka ho mandrakizay anie Yaveh, Andriamanitr'Israely. Amena dia Amena. Boky faharoa
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ireo teny ireo dia manondro ny olona izay manahy ny amin'ny osa.
"olona osa" na "olona mahantra"
Ny andianteny hoe "ny fandrian'ny fijaliana" dia manondro olona mandry eo am-pandriana satria marary. DH: "Rehefa marary sy eo am-pandriana izy, dia Yaveh no hanohana azy"
Ny andianteny hoe "fandrian'ny fanasitranana" dia manondro olona mitsahatra eo am-pandriana sy sitrana amin'ny aretiny. DH: "Ianao, Yaveh o, no hanasitrana azy amin'ny aretiny"
Rehefa maty ny anaran'ny olona iray, dia midika izany fa noadinoin'ny olona fa mbola velona izy. DH: "rahoviana ny anarany no levona" na "rahoviana ny olona no hanadinno ny momba azy"
Ny teny hoe "ny fahavaloko" dia manondro izay fahavalo rehetra amin'ny ankapobeny, fa tsy fahavalo iray manokana.
Ireo mety ho heviny dia 1) "miteny zava-poana izy" na 2) miteny zavatra mampisaina azy ny fahavalony hoe sakaizany izy ireo kanefa tsy izy akory. DH: "miteny zavatra mamitaka izy" na "mody ho miahy ny amiko izy ireo" (UDB)
Mitady hianatra ireo zava-dratsy rehetra momba azy ireo fahavalony. Eto ny teny hoe "fo" dia manondro ilay olona manontolo. Ny fotoana ratsy dia lazaina toy ny hoe zavatra izay afaka angonina. DH: "mitady hianatra ny momba ireo loza mitranga amiko rehetra izy"
Ireo mety ho heviny 1) "manantena izy ireo fa hisy zava-mahatsiravina be hitranga amiko" (UDB) 2) "mikasa handratra ahy izy ireo."
Ireo fahavalony miteny ny hoe "aretina" toy ny hoe olona izay nahababo azy izany. DH: "mararin'ny areti-mandoza izy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "aretina mandoza" na 2) "zavatra mahatsiravina"
Eto ny teny hoe "mandry" dia manondro hoe mitsotra eo am-pandriana noho ny faharariana. Izay tsy hahafany "mitsangana" intsony dia midika fa hitohy handry hatrany izy, izay teny malefaka kokoa ilazana ny fahafatesana. DH: "izao izy marary eo am-pandriana, ka dia ho faty ao"
Ity dia fomba fiteny ilazana fa namadika azy ireo sakaizany. DH: "namadika ahy" na "nivadika tamiko"
Izany dia fangatahana. DH: "Yaveh o, mba manàna re famindrampo amiko atsangano aho re
Izany dia midika hoe atsangano eo am-pandriany izy, na ataovy sitrana amin'ny aretiny izy. DH: " ataovy salama aho"
Ny mpanoratra miteny ny valifaty amin'ireo fahavalony toy ny hoe mamaly azy ireo amin'izay nataon'izy ireo izy. DH: "mba hahafahako mamalifaty azy ireo"
Ny teny hoe "izany" dia manondro izay holazain'ny mpanoratra manaraka. Ho fanazavana, dia ireo fehezanteny dia mety ho ampifamadihana. DH: "satria tsy mandresy eo amiko ireo fahavaloko, dia fantatro fa mifaly amiko Ianao"
Azo adika ho amin'ny filazam-potoana ho avy ihany koa izany, satria tsy mbola nanasitrana azy akory Yaveh. DH: "raha mba avelanao hanao izany aho mantsy, mba tsy handavoan'ireo fahavaloko ahy, dia ho fantatro tokoa fa faly amiko Ianao" (UDB)
"manohana ahy Ianao noho ny fahitsiako"
Ny mpanoratra miteny ny maha ao amin'ny fanatrehan'i Yaveh toy ny hoe ao amina toerana izay ahafahan'i Yaveh mahita azy sy ahitany ny tavan'i Yaveh. DH: "hihazona ahy hiaraka aminao"
Ity andininy ity dia mihoatra ny fiafaran'ity salamo ity. Ity no fanambarana fanakatonana ho an'ny boky 1 manontolo amin'ny Salamo, izay manomboka amin'ny Salamo 1 ka mifarana amin'ny Salamo 41.
Izany dia manondro ireo sisiny roa ary midika hoe amin'ny fotoana rehetra. DH: "mandrakizay mandrakizay
Ny teny hoe "Amen" dia averimberina mba hanamafisana fankatoavana izay efa voalaza. DH: "Hotanteraka tokoa anie izany"
Ho an'ny mpiventy hira. Maskilan'ireo zanaka lahin'i Kora. 1 Tahaka ny diera maniry rano mikoriana mafy, no hetahetako ho Anao, ry Andriamanitra. 2 Mangetaheta an'Andriamanitra aho, ho an'ilay Andriamanitra velona. Rahoviana aho no ho tonga sy hiseho eo anatrehan'Andriamanitra? 3 Ny ranomasoko no hany sakafoko andro aman'alina, raha miteny amiko mandrakariva ireo fahavaloko hoe: "Aiza ny Andriamanitrao?" 4 Ireto zavatra ireto no tonga ao an-tsaiko raha mandraraka ny fanahiko aho: endrey ny nandehanako niaraka tamin'ny vahoaka sy nitarihako azy ireo tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny hiakam-pifaliana sy fiderana, fankalazana maro be ny firavoravoana. 5 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana ianao no tohina ao anatiko? Manantenà an'Andriamanitra, fa hiderako Azy izay famonjeko indray aho. 6 Ry Andriamanitro, ny fanahiko dia mitanondrika ao anatiko, noho izany mahatsiaro Anao aho avy amin'ny tanin'ny Jordana, amin'ny tendro telon'ny Tendrombohitr'i Hermona, ary avy amin'ny havoan'i Mizara. 7 Ny lalina miantso ny lalina ao amin'ny tabataban'ireo riandranonao; ireo onjanao sy ireo alon-dranonao rehetra dia efa nanafotra ahy. 8 Nefa Yaveh handidy ny fanekeny mahatoky amin'ny atoandro; ny amin'ny alina dia hiaraka amiko ny hirany, vavaka iray ho an'Andriamanitry ny aiko. 9 Izaho hiteny amin'Andriamanitra, vatolampiko hoe: "Nahoana no dia nanadino ahy Ianao? Nahoana no dia mandeha misaona noho ny fampahorian'ny fahavalo aho?" 10 Toy ny fisian'ny sabatra eo amin'ny taolako, no itenenan'ireo mpifanandrina amiko ahy mafy, raha milaza amiko mandrakariva izy ireo hoe: "Aiza ny Andriamanitrareo?" 11 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no tohina ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy izay famonjena ho ahy sy Andriamanitro indray aho.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Mety ho manondro fomba ara-mozikaly izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 32:1
Ny mpanoratra mampitaha ny faniriany an'Andriamanitra amin'ny fanirian'ny diera mangetaheta rano.
fofonaina mavesatra avy amin'olona na biby izay reraka loatra na mangetaheta loatra
Ny mpanoratra miteny ny faniriany lalina an'Andriamanitra toy ny hoe hetaheta rano mafy.
Ny mpanoratra akory tsy mangataka valiny raha mametraka ity fanontaniana ity fa kosa mba hampisehoana ny faniriany lalina ho eo anoloan'Andriamanitra.
Ny mpanoratra manondro ny ranomasony toy ny hoe sakafo izay haniny. Izany midika fa malahelo loatra izy ka tsy afa-mihinana. DH: "Ny ranomasoko tahaka ny hanina ka tsy mihinana zavatra hafa ankoatra aho"
Ity andianteny ity dia manondro ny andro manontolo ho fanondroana ny fiandohany sy ny fiafarany. DH: "tontolo andro"
Izany dia fanitarana. Tsy miteny izany foana ireo fahavalony, fa mahalana ihany izy ireo no miteny izany.
Ireo fahavalon'ny mpanoratra mampiasa ity fanontaniana ity hanesoana azy ary hanehoana fa tsy mahita ny Andriamaniny mamonjy azy akory ireo izy ireo. DH: "Tsy eo akory ny Andriamanitrao hamonjy anao"
Ity dia fomba fiteny midika hoe mahatsiaro na mihevitra ny momban'ny zavatra iray. DH: "mahatsiaro"
Eto ny teny hoe "fanahy" dia manondro ny fihetseham-po. Ny mpanoratra miteny ny fanahiny toy ny hoe rano izay ararany. Ireo andianteny midika fa izy dia maneho ny ny alahelo ara-pihetseham-pony. DH: "maneho ny alaheloko aho"
Ity andianteny ity dia mampiasa teny karazany roa mba hanehoana hevitra iray. DH: "fiderana amim-pifaliana"
Ny mpanoratra manondro ny ao anatiny ho toy ny "fanahy." Mametraka ity fanontaniana ity izy mba hibedesana ny tenany. DH: "Tsy tokony hotanondrika aho. Tsy tokony hanahy aho"
Ny mpanoratra miteny ny fahaketrahana na hakiviana toy ny hoe ny fanahiny izay mitanondrika izany. DH: "kivy"
Ny mpanoratra manohy miteny amin'ny fanahiny ary mibaiko izany hatoky an'Andriamanitra.
Ny mpanoratra manomboka milaza amin'Andriamanitra ny momba ny fanahiny.
Ity andianteny ity midika hoe mihevitra ny momban'ny zavatra iray. DH: "mihevitra anao aho"
Izany dia angamba manondro ny avaratr'i Israely, izay hioiran'ny ony Jordana. DH: "ny tany izay hipoiran'ny renirano Jordana"
tampon-tendrombohitra
Izany dia anarana havoana iray ao amin'ny vidin-tendrombohitra Hermona.
Ny teny hoe "lalina" dia manondro ny rano lalina, izay mitovy amin'ny ranomandeha misosa manaraka ny tendrombohitra Hermona izy eto. Ny mpanoratra miteny ireny toy ny hoe olona mifampiantso mafy raha mandre ny feon'ny fidinan'ireny avy any an-tendrombohitra.
Ny mpanoratra miteny ny lozany sy ny alahelony toy ny hoe rano lalina izay nandifotra azy tamin'ny onja mifanesisesy.
Ny teny hoe "alon-drano" dia fomba fiteny hafa amin'ny hoe "onja." Ampiarahina izy roa ireo mba hanamafisana ny fahalehibiazan'ireo onja. DH: "ireo onjanao rehetra"
Ny mpanoratra miteny ny famindrampon'i Yaveh toy ny hoe olona iray izay didiany hiaraka aminy. DH: "Yaveh hampiseho ahy ny famindrampony"
Ireo mety ho heviny 1) "ny hira izay omeny ahy" na 2) "ny hira momba Azy"
"ny Andriamanitra izay manome ahy fiainana"
Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra toy ny hoe vatolampy lehibe hamatsy fiarovana amin'ny fanafihan'ny fahavalo.
Ny "mandeha misaona" dia ny manao fombafomba mifandraika amin'ny maha malahelo loatra.
Ny mpanoratra manoritsoritra ireo fibedesan'ireo mpifanandrina aminy toy ny mandray ratra mandoza.
Ity dia fanitarana; tsy milaza izany foana akory ireo fahavalony fa mahalana ihany.
Ireo fahavalon'ny mpanoratra mametraka ity fanontaniana ity mba hanesoana azy sy hanehoana fa tsy mahita an'Andriamanitra mamonjy azy akory izy ireo. DH: "Tsy eo akory ny Andriamanitrao hamonjy anao"
Ny mpanoratra manondro ny ao anatiny ho toy ny "fanahy." Mametraka ity fanontaniana ity izy mba hibedesana ny tenany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 42:5. DH: "Tsy tokony hotanondrika aho. Tsy tokony hanahy aho"
Ny mpanoratra miteny ny fahaketrahana na hakiviana toy ny hoe ny fanahiny izay mitanondrika izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 42:5. DH: "kivy"
Ny mpanoratra manohy miteny amin'ny fanahiny ary mibaiko izany hatoky an'Andriamanitra. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 42:5
1 Omeo rariny aho, ry Andriamanitra, ary iadio ny adiko hanohitra ireo firenena tsy arak'Andriamanitra. 2 Fa Ianao no Andriamanitry ny heriko. Nahoana no nanary ahy Ianao? Nahoana aho no handeha hisaona noho ny fampahorian'ny fahavalo ahy? 3 Alefaso ny hazavanao sy ny marinao, aoka ireny hitarika ahy. Aoka ireny hitondra ahy hankany amin'ny havoanao masina sy any amin'ny fonenanao. 4 Dia handeha eo amin'ny alitaran'Andriamanitra aho, any amin'Andriamanitra izay fifaliako indrindra. Hidera Anao amin'ny harpa aho, Andriamanitra o, Andriamanitro. 5 Nahoana no amitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no tohina ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy izay famonjena ho ahy sy Andriamanitro indray aho.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety hoe heviny dia 1) "ilay Andriamanitra izay miaro ahy" na 2) "ilay Andriamanitra manome hery ahy."
Ny mpanoratra mametraka ireo fanontaniana ireo mba hitarainana amin'Andriamanitra sy hanehoana ireo fihetseham-pony, fa tsy handraisana valiny.
Ny "mandeha am-pisaonana" dia manatanteraka fombafomba mifandraika amin'ny maha malahelo loatra.
Ny teny hoe "fampahoriana" dia azo adika ho matoanteny. DH: "satria mampahory ahy ny fahavaloko"
Ny mpanoratra miteny ny fanafahan'Andriamanitra toy ny hoe hazavana izay mampiseho azy ny lalana sy fahamarinana mampianatra azy ny fomba fiainana. DH: "tariho aho amin'ny fahazavana sy fahamarinanao"
Izany dia manondro ny havoana any Jerosalema izay hisian'ny tempoly ary toy izany koa ny tempoly.
"any amin'ny toerana izay onenanao"
"Andriamanitra izay fifaliako lehibe indrindra" na "Andriamanitra izay manome ahy fifaliana lehibe indrindra"
Ny mpanoratra manondro ny ao anatiny ho toy ny "fanahy." Mametraka ity fanontaniana ity izy mba hibedesana ny tenany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 42:5. DH: "Tsy tokony hotanondrika aho. Tsy tokony hanahy aho"
Ny mpanoratra miteny ny fahaketrahana na hakiviana toy ny hoe ny fanahiny izay mitanondrika izany. DH: "kivy"
Ny mpanoratra manohy miteny amin'ny fanahiny ary mibaiko izany hatoky an'Andriamanitra. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 42:5.
Ny andianteny hoe "famonjena ahy" dia manondro an'Andriamanitra. raha ilaina dia azo akambana ireo andianteny roa. DH: "Andriamanitro izay mamonjy ahy"
1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora. Maskila. Renay tamin'ny sofinay, Andriamanitra o, nolazain'ireo razanay taminay ny asa nataonao tamin'ny andron'izy ireo, tamin'ny andro taloha. 2 Noroahanao tamin'ny tananao ireo firenena, fa nampitoerinao ny vahoakanay; Nampahory ireo olona Ianao, fa naelinao tany amin'ny tany ny vahoakanay. 3 Fa tsy azon'izy ireo mba ho fananany tamin'ny alalan'ny saban'izy ireo ihany ny tany, na ny sandrin'izy ireo manokana ary tsy nahavonjy azy ireo; nefa ny tanan-kavananao, ny sandrinao, ary ny fahazavan'ny tavanao, satria tsara tamin'izy ireo Ianao. 4 Ry Andriamanitra, Ianao no mpanjakako; didio ny fandresena ho an'i Jakoba. 5 Amin'ny alalanao no hanindrianay ireo mpifanandrina aminay; amin'ny alalan'ny anaranao izahay no hanosihosy azy ireo, ireo izay mimitsangana hanohitra anay. 6 Fa tsy hitoky amin'ny tsipikako aho, na ny sabatro hanavotra ahy. 7 Fa efa nanavotra anay tamin'ireo mpiafanandrina aminay Ianao, ary nampahamenatra ireo nankahala anay. 8 Ao amin'Andriamanitra no nanaovanay ny fireharehanay amin'ny andro lava rehetra, ary hanolotra fisaorana ho an'ny Anaranao mandrakizay izahay. Sela 9 Fa ankehitriny efa nanary anay Ianao ka nitondra anay tamin'ny fahafam-baraka, ary tsy nivoaka niaraka tamin'ny tafikay Ianao. 10 Nampihemotra anay tamin'ireo mpifanandrina Ianao; ary ireo izay mankahala anay nandray ny harena ho azy ireo. 11 Nataonao tahaka ny ondry voalahatra ho fisakafo izahay ary naelinao teo amin'ireo firenena. 12 Mamarotra ny vahoakanao amin'ny tsy antony Ianao; tsy nampitombo ny harenao Ianao tamin'ny fanaovana izany. 13 Manao anay ho fiteny mafy ho an'ireo namanay Ianao, naneso sy nananihany anay tamin'ireo manodidina anay. 14 Manao anay ho faniratsirana eo amin'ireo firenena Ianao, ho loham-pangovitana eo amin'ireo olona. 15 Manoloana ahy andro lava rehetra ny fahafam-baraka, ary henatry ny tavako no mandrakotra ahy 16 noho ny feony izay miteny mafy sy maniratsira ahy, noho ny fahavalo sy ny mpamaly faty. 17 Tonga aminay avokoa izany rehetra izany; nefa Ianao tsy adinonay na tsy nankatò ny fanekem-pihavananao. 18 Tsy niverin-dalana ny fonay; tsy niala tamin'ny lalanao ny dianay. 19 Nefa nanapaka mafy anay teo amin'ny toeran'ny amboadia Ianao ary nandrakotra anay tamin'ny aloky ny fahafatesana. 20 Raha nanadino ny Anaran'Andriamanitra izahay na namelatra ny tananay tamin'andriamani-kafa, 21 moa tsy hitady izany ve Andriamanitra? Fa mahalala ny tsiambaratelon'ny fo Izy. 22 Eny tokoa, noho ny Aminao no hamonoana anay amin'ny andro lava rehetra; heverina ho toy ny ondry ho amin'ny famonoana izahay 23 Mifohaza, nahoana no mandrimandry ianao, Tompo o? Mitsangàna, aza manary maharitra anay. 24 Nahoana no dia manafina ny tavanao Ianao ary manadino ny fahorianay sy ny fampahoriana anay? 25 Fa miempo anaty vovoka izahay; ireto vatanay mifikitra amin'ny tany. 26 Mitsangàna ho famonjena ary manavota anay noho ny amin'ny fanrekenao mahatoky.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
"Ity dia salamo izay nosoratan'ireo zanaka lahin'i Kora"
Mety ho manondro fomba ara-mozikaly izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 32:1
Ny teny hoe "re" dia manampy fanamafisana ny fanambarana izay efa ren'izy ireo ary mahazo ireo zavatra izay hofaritan'ny mpanoratra. Ny mpanoratra milaza io fanambarana io ho an'Andriamanitra. DH: "Andriamanitra o, renay mazava"
Ireo andianteny roa ireo dia mampiasa ny teny hoe "andro" mba hanondroana ny fotoana fony mbola velona ireo razamben'ny vahoakan'Israely.
"Noterenao hiala ireo vahoakan'ny firenen-kafa"
Eto ny teny hoe "tanana" dia manondro ny fahefan'Andriamanitra. DH: "tamin'ny fahefanao"
Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra manao ny Israelita honina ao amin'ny tany toy ny hoe Izy namboly azy ireo amin'ny tany tahaka ny ataony amin'ny hazo. DH: "Nanao ny vahoakanay honina any Ianao"
Ny teny hoe "sabatra" dia manondro ny fahefana miaramila. DH: "tamin'ny alalan'ny fiadiana amin'ny sabany ihany" na "tamin'ny alalan'ny herin'ny tafiny ihany"
Eto ny teny hoe "sandry" dia manondro ny hery. DH: "ny heriny manokana"
Mety hanampy matoanteny ianao amin'ity andianteny ity. DH: "ary ny fahazavan'ny tavanao hahazo ny tany ho fananany"
Eto ny teny hoe "tanana" sy "sandry" dia manondro ny fahefan'Andriamanitra. Raha akambana, dia manamafy ny fahalehibiazan'ny fahefan'Andriamanitra ireo. DH: "ny fahefanao lehibe"
Ny mpanoratra milaza an'i Yaveh mijery azy ireo amim-pankasitrahana ary maha tso-po amin'izy ireo toy ny hoe mamirapiratra amin'izy ireo ny tavan'i Yaveh. DH: "ny hatsaram-ponao" na "ny sitraka tsara avy aminao"
Ny vahoakan'Israely dia voatondro amin'ny anaran'i "Jakoba" razamben'izy ireo
Ny mpanoratra milaza ny fahalavoan'ireo fahavalony toy ny hoe izy ireo "ao ambany" ary milaza ny fiomanan'izy ireo hiady toy ny hoe izy ireo "eo ambony."
Eto ny teny hoe "anarana" dia manondro ny herin'Andriamanitra sy ny fahefany. DH: "amin'ny alalan'ny fahefanao'
"hanosihosenay azy ireo ambany tongotray" na "handehananay eo amboniny"
Ny teny hoe "fireharehana" dia azo avadika ho matoanteny. DH: "efa nirehareha izahay"
Eto ny teny hoe "anarana" dia manondro an'Andriamanitra tenany. DH: "hisaotra Anao izahay"
Ny mpanoratra milaza ny fandavan'Andriamanitra an'Israely toy ny hoe Izy manaisotra ireo voro-damba tsy ilaina. DH: "nandà anay"
Loharanon-karena sy fananana izay angonin'ny tafika aorian'ny fandreseny amin'ny ady iray
Ny mpanoratra mampitaha ny Israelita amin'ny ondry izay vonoina sy hanina. Tahaka ny ondry izay tsy manam-pidiny manoloana izay hamono azy, dia toy izany koa ny Israelita eo anatrehan'ireo fahavalony. DH: "Ianao namela ireo fahavalonay hamono anay tahaka azy ireo mamono ondry sy mihinana izany"
"natao ho sakafo hohanin'ny olona"
"nanao anay honina amina firenena maro samihafa"
Ny mpanoratra milaza an'i Yaveh mamela ireo fahavalon'Israely handresy azy ireo toy ny hoe Izy namarotra ny vahoakan'Israely tamin'ireo fahavalony fa tsy nila vidiny avy tamin'ireo fahavalony.
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy ary manamafy ny fomba fanesoan'izy ireo ny vahoaka eo aminy.
Ny teny hoe "fibedesana" dia azo adika ho matoanteny. DH: "Manao anay ho zavatra bedesin'ireo namanay Ianao"
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy ary manamafy ny fahatevenan'ny esoeson'ireo firenena manodidina azy ireo.
Ny teny hoe "faniratsirana" dia azo avadika ho matoanteny. DH: "Manao ireo firenena manodidina any haniratsira anay Iano"
Ny andianteny hoe "fihifikifihan-doha" dia azo adika ho amin'ny endrika matoanteny. DH: "zavatra izay hanifikifihan'ny olona ny lohany"
Izany dia fihetsika izay nampiasain'ny olona hanehoana hanihany amin'ny hafa.
Ny mpanoratra miteny ny fahafam-barakany toy ny hoe zavatra izay eo alohany mandrakariva ho jereny. Ny andianteny dia midika fa mieritreritra lava ny fahafam-barakany izy. DH: "mieritreritra momba ny fahafam-barakako aho"
Ny mpanoratra milaza ny henatra mahazo azy tahaka ny hoe zavatra izay mandrakotra azy toy ny bodofotsy norakofany. DH: "ny henatry ny tavako nandifotra ahy"
"ny henatra izay miseho eny amin'ny tavako." Izany dia manondro ny endrika asehon'ny tarehy vokatry ny henatra.
Eto ny teny hoe "ny feo" dia manondro izay lazain'ilay olona. DH: "noho izay lazain'ny olona izay miteny mafy sy maniratsira ahy"
Ireo teny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary manamafy ny hamafisan'izay lazain'io olona io.
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy. Ny mpanoratra miteny ny fahatokiana amin'Andriamanitra toy ny hoe manaraka azy izany, ary ny fivadihana toy ny hoe mivily aminy izany.
Eto ny teny hoe "fo" dia manondro ny fihetseham-po, ary manondro manokana ny fahitsiana sy famborahana. DH: "Tsy mbola nitsahatra ny mahitsy taminao izahay" (UDB)
Ny mpanoratra miteny ny famaizan'Andriamanitra toy ny hoe zavatra mora vaky. DH: "nanafay mafy anay Ianao"
Ny mpanoratra miteny an'Israely taorian'ny famaizan'Andriamanitra toy ny hoe toerana tsy misy mponina sy mikorontana. DH: "ary nanao ny taninay toy ny toeram-ponenan'ny amboadia"
Karazana alikadia
Ny mpanoratra miteny ny fahafatesana toy ny hoe zavatra izay mandefa aloka eo amin'ireo izay efa ho faty. DH: "nanao anay mba ho faty tsy ho ela"
Eto ny teny hoe "anarana" dia manondro an'Andriamanitra tenany. Ny manadino an'Andriamanitra dia ny mitsahatra manompo Azy. Io dia zavatra izay tsy tena niseho akory. DH: "Raha nanadino an'Andriamanitra izahay" na "Raha nitsahatra nanompo an'Andriamanitra izahay"
Ny famelarana tanana dia fihetsika iray izay nampiasain'ny olona hanompoana sy hivavahana amina andriamanitra iray. DH: "nanompo andriamani-kafa" na "nivavaka tamin'andriamani-kafa"
Ny mpanoratra mampiasa io fanontaniana io hanehoana fa Andriamanitra dia nahafantatra raha nanompo andriamani-kafa izy ireo. DH: "hitan'Andriamanitra tokoa"
Eto ny teny hoe "fo" dia manondro ny fisainana sy fihevitra. DH: "Izy mahalala izay eritreretin'ny olona mangingina"
Ny andianteny hoe "andro lava rehetra" dia fanitarana mba hanamafisana fa ny vahoakan'izy ireo dia vonoina matetika. Azo avadika ho tso-drafitra izany. DH: "mamono anay isaky ny mihetsika ny olona"
Ny mpanoratra mampitaha ny Israelita amin'ny ondry izay vonoin'ny olona sy haniny. Tahaka ny ondry izay tsy manam-pidiny eo anolon'izay hamono azy, dia tahaka izany koa ny Israelita eo anatrehan'ireo fahavalony.
Izany akory tsy midika fa Andriamanitra dia tena matory. Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra toa tsy mihetsika toy ny hoe matory Izy. Mametraka ny fanontaniana izy mba hibedesana an'Andriamanitra amin'ny tsy fandraisany andraikitra amin'ny fahorian'izy ireo. DH: "Mifohaza! Mahatsapa aho fa toa matory Ianao, Tompo o!"
Ny mpanoratra milaza ny fandavan'Andriamanitra an'Israely toy ny hoe Izy nanaisotra ny voro-damba tsy ilaina. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 44:9. DH: "aza mandà anay"
Ny mpanoratra mampiasa io fanontaniana io hitarainana fa Andriamanitra miseho ho tsy mahalala azy ireo. DH: "Aza manafina ny tavanao ... ny fampahoriana anay."
Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra mandingana azy ireo toy ny hoe Andriamanitra nanfina ny tavany mba tsy hahitany azy ireo. DH: "mandingana anay"
Ny teny hoe "fahoriana" sy "fampahoriana" dia midika zavatra mitovy ary manamafy ny hamafisan'ny fahorian'izy ireo. Ireo teny ireo dia mety ho adika ho matoanteny. DH: "manadino fa mampahory anay ny olona" na "manadino fa mampahory mafy anay ny olona"
Ireo andianteny mitovy tantana ireo dia mifampizara hevitra mitovy. Ny mpanoratra manoritsoritra ny vahoakany toy ny mandry amin'ny tany amin'ny endrika fahalavoana sy fahafam-baraka.
Ny mpanoratra miteny ny fahafam-barakan'izy ireo toy ny hoe zavatra ny vatan'izy ireo, toy ny lagilasy, izay miempo sy rendrika ao anaty vovoka.
Ny mpanoratra miteny ny fahafam-barakan'izy ireo toy ny hoe mifikitra amin'ny tany ny vatan'izy ireo ary tsy afa-manarina ny tenany.
Io dia mandidy ny hitsanganana. Io andianteny io dia manondro ny fanombohana hanao zavatra. DH: "Miasà"
Ho an'ny mpiventy hira; atao Shoshannim. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora. Maskila. hiram-pitiavana. 1 Mamoaka foto-kevitra tsara ny foko; hovakiako mafy ireo teny izay narafitro momba ny mpanjaka, ny lelako no penin'ny mpanoratra mahay. 2 Ianao mbola tsara mihoatra ny zanak'olombelona; fahasoavana no voararaka eo imolotrao; noho izany dia fantatray fa Andriamanitra no efa nitahy anao mandrakizay. 3 Apetraho eo anilanao ny sabatrao, ry ilay mahery, amin'ny voninahitrao sy ny fahalehibiazanao. 4 Amin'ny fahalehibiazanao dia mandehana amim-pandresena noho ny fahamendreham-pitokisanao, fahalemem-panahy, sy ny fahamarinana; hanoro anao zavatra mampahatahotra ny tananao ankavanana. 5 Maranitra ireo zana-tsipìkanao; lavo ao ambaninao ny vahoaka; ao amin'ny fon'ireo fahavalon'ny mpanjaka ireo zana-tsipìkanao. 6 Ny seza fiandriananao, Andriamanitra o, dia mandrakizay doria; tehin'ny rariny ny tehin'ny fanjakanao. 7 Tia fahamarinana Ianao ary mankahala ny faharatsiana; noho izany Andriamanitra, Andriamanitrao, dia efa nanositra anao tamin'ny diloilon'ny fifaliana mihoatra noho ireo namanao. 8 Ny akanjonao rehetra mamofona miora, vahonba, ary kasia; efa nampifaly anao ireo valihaany ivelan'ny lapa ivoara. 9 Ireo zanaka vavin'ny mpanjaka dia isan'ireo vehivavy manan-kaja; eo an-tanana ankavananao no mijoro ny mpanjakavavy mitafy volamenan'i Ofira. 10 Mihainoa, ry zanaka vavy, mandiniha ary atongilano ny sofinao; adinoy ny vahoakanao sy ny tranon-drainao. 11 Amin'ny alalan'izany dia haniry ny hatsaranao ny mpanjaka, izy no tomponao, hajao izy. 12 Ny zanaka vavin'i Tiro dia ho any miaraka amin'ny fanomezana; ny manan-karena eo amin'ny olona dia hitalaho ny fankasitrahanao. 13 Ireo zanaka vavin'ny mpanjaka ao an-dapa dia be voninahitra avokoa; ny fitafiny dia natao tamin'ny volamena. 14 Ho entina eo amin'ny mpanjaka izy amin'ny tohitena misy peta-kofehy; ireo virijiny, namay izay manaraka azy, dia ho entina o aminao. 15 ho tarihina amim-pifaliana sy faharavoana izy ireo; hiditra ao an-dapan'ny mpanjaka izy ireo. 16 Ao an-dapan'ireo razanao no hisy ireo zanakao, izay hataonao andriana eran'ny tany rehetra. 17 Hampahatsiaro ny anaranao amin'ny taranakao rehetra aho; noho izany ny vahoaka hanolotra fisaorana anao mandrakiza doria.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Mety ho manondro fomba fitendry na ny feon'ny mozika izany. Indraindray izany dia adika toy ny hoe "atao amin'ny feon'ny Lilia."
"Ity dia salamo izay nosoratan'ireo zanaka lahin'i Kora"
Mety ho manondro karazana mozika izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'yn 32:1
Ny mpanoratra miteny ny fony toy ny hoe fitoeran-javatra izay misy rano feno dia feno. Ny teny hoe "fo" dia maneho ny fihetseham-pony, izay nentanin'ny hira izay nohirainy. DH: "Mientanentana momba ny foto-kevitra tsara ny foko"
"lohahevitra mihaja" na "teny mahafinaritra." Izany dia manondro ny hira izay nosoratany.
nosoratako na noforoniko
Ny mpanoratra miteny ny lelany toy ny hoe penina. Mahay mandaha-teny tahaka ny mpanoratra efa be traikefa manoratra teny izy. DH: "ny lelako dia tahaka ny penin'olona iray izay mahay manoratra tsara" na "Mahay mandaha-teny tahaka ny mpanoratra be traikefa afa-manoratra aho"
Io andianteny io dia fanitarana izay manamafy fa tsara jery kokoa ny mpanjaka mihoatra ny hafa. Ny andianteny "zanak'olombelona" dia fomba fiteny ilazana ny olombelona rehetra. DH: "Tsara tarehy mihoatra izay lehilahy hafa ianao"
Ny mpanoratra miteny ny fahasoavana toy ny hoe diloilo izay nampiasaina olona iray hanosorana ny molotry ny mpanjaka. Ny teny hoe "molotra" dia manondro ny lahatenin'ny mpanjaka. Ny andianteny midika fa mahay mandaha-teny ny mpanjaka. DH: "toy ny hoe nisy olona nanositra diloilo ny molotrao" na "mahay mandaha-teny ianao"
Ny mpiady dia nitondra ny sabany amin'ny tranon-antsy izay ahantona amin'ny hetra eo amin'ny valahina. Hitsahatra eo amin'ny ilany. Io andianteny io dia mamaritra ny fihetsiky ny olona iray miomana ho amin'ny ady. DH: "Miomàna ny tenanao ho amin'ny ady"
Ny mpanoratra miteny amin'ny mpanjaka mba handeha amin'ny soavaliny na ny kalesiny ho amin'ny fandresena.
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo avy no famaritana an'ilay mahery. DH: "satria ianao dia mendri-pitokiana, sy malemy fanahy, ary marina" na 2) ireo dia hatsaran-toetra izay iadiany hotohanana ho an'ny vahoaka eo ambany fanapahany. DH: "mba hanohanana fahamendreham-pitokisana, fahalemem-panahy, sy ny fahamarinana"
Maro amin'ireo miaramila mpiady no nohazona ny sabany amin'ny tanana ankavanana rehefa niady. Eto, ny andianteny hoe "tanana ankavanana" dia manondro ny fahaiza-miady, izay tenenin'ny mpanoratra toy ny hoe olona izay afaka mampianatra ny mpanjaka amin'ny alalan'ny traikefa azony tany amin'ny ady. DH: "Hianatra ny hanatanteraka fety miaramila ianao amin'ny alalan'ny fiadiana amin'ny ady maro"
"asa mahatahotra." Izany dia manondro ny fandresen'ny miaramila izay mahatonga ireo fahavalony hatahotra azy ary ireo mpiray fahavalo aminy hanaja azy.
Io andianteny io dia manondro ny mpanjaka mandavo ireo fahavalony. Ireo mety ho heviny dia 1) "milavo lefona ambany tongotrao ny olona" na 2) "lavo ao ambany tongotrao ireo olona ka maty."
"ireo zana-tsipìkanao no nandoaka ny fon'ireo fahavalonao."
Ny teny hoe "seza fiandrianana" dia maneho ny fanjakana sy fanapahan'ny mpanjaka. DH: "Ny fanjakanao ... dia mandrakizay doria" na "Ianao dia hanjaka ... mandrakizay doria"
Ireo mety ho heviny amin'ny teny hoe "Andriamanitra" dia 1) lohateny ho an'ny mpanjaka, izay solontenan'Andriamanitra na 2) manova ny teny hoe "seza fiandrianana" ary midika hoe "ny fanjakanao izay natolotr'Andriamanitra anao" (UDB).
Ny teny hoe "tehina" dia maneho ny fahefan'ny mpanjaka hanapaka amin'ny fanjakany. DH: "Ianao manapaka ny fanjakanao amin'ny rariny"
Ny mpanoratra miteny ny fifaliana toy ny hoe diloilo izay nampiasain'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka. Izay nanosoran'Andriamanitra azy dia fomba famantarana fotsiny ihany fa Andriamanitra nifidy azy ho mpanjaka. DH: "rehefa nanondro anao ho mpanjaka Andriamanitra, dia nanao anao ho faly loatra"
Eto ny mpanoratra dia manomboka manoritsoritra izay mety ho endriky ny firavoravoan'ny fampakaran'ny mpanjaka sy ny vadiny.
Ireo dia singa manome hanitra amin'ny vaoninkazo izay nampiasain'ny olona hanaovana ranomanitra.
Ny ivoara dia singa fotsy mafy amin'ny biby mamorona ny vangy lava. Io andianteny io dia mamaritra ny lapa mbamin'ny manda sy ny fanaka rehetra izay noravahan'ny olona tamin'ny ivoara.
Ny teny hoe "valiha" dia manondro ny mozika izay ventesin'ny olona amin'ny fitendrena zava-maneno misy tadiny. DH: "nampifaly anao ny mozika amin'ny valiha"
Ireo vehivavy ireo dia vadin'ny mpanjaka izay mahazo fankatoavana avy aminy.
Izany dia fanoroana ny vehivavy izay ho tonga mpanjakavavy. DH: "ny vadinao, ny mpanjakavavy" (UDB) na "ny vadinao, izay ho mpanjakavavy"
Izany dia anarana toerana iray izay nanana ny lazany tamin'ny volamenany tsara. Tsy fantatra mazava ny misy azy.
Ny mpanoratra manomboka miteny ny mpanjaka ary manondro azy ho "zanaka vavy" satria vehivavy mbola tanora izy.
Ny mpanoratra miteny ny fihainoana tsara toy ny hoe manondrika ny sofina mankany amin'ilay olona miteny. DH: "henoy tsara aho"
Ny mpanoratra miteny ny mpanjakavavy tsy manaraka intsony ireo finoana sy fombafomban'ny vahoakany toy ny hoe nanadino azy ireo. DH: "aza manaraka ny fombafomban'ny vahoakanao intsony"
Eto ny teny hoe "trano" dia midika ny fianakavinana. DH: "ny havanao"
"ary" na "koa"
Izany dia fomba mety iray mba hilazana fa ho te hira-handry amin'ny mpanjakavavy ho tahaka ny vadiny ny mpanjaka.
Ny mpanoratra manohy miresaka amin'ny mpanjakavavy.
Ny mpanoratra miteny ny vahoaka izay monina ao Tyro toy ny hoe zanak'i Tyro. DH: "Ny vahoakan'i Tyro"
Io dia fanondroana ny vehivavy izay halain'ny mpanjaka vady. DH: "Ilay ampiakarin'ny mpanjaka"
tsara tarehy loatra." Izany dia manondro ny endrika ivelan'ilay vehivavy.
Ny fitafiny dia voaravaka na nasiana peta-kofehy volamena. Azo atao tso-drafitra izany. DH: "mitafy akanjo izay nasiana peta-kofehy volamena izy"
Ny mpanoratra manohy miteny momba ny mpanjakavavy fa kosa sady manomboka miresaka amin'ny mpanjaka indray.
haingo vita amin'ny kofehy miloko nozairina eo amin'ny akanjo.
Eto ny teny hoe "nao" dia manondro ny mpanjaka
Ity andianteny ity dia manoritsoritra ny "fifaliana sy faharavoana" toy ny olona iray izay mitarika ny sasany hankalaza.
Ireo teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy ny fahalehibiazan'ny fifaliana. DH: "fifaliana lehibe"
Ny mpanoratra manohy miresaka amin'ny mpanjaka.
Io dia midika fa ireo zanaka lahin'ny mpanjaka no handimby azy ho mpanjaka, tahaka azy nandimby ireo razambeny ho mpanjaka ihany.
Ny andianteny hoe "eran'ny tany rehetra" dia fanitarana mba hanamafisana fa hanapaka eo amin'ny firenena maro izy ireo. DH: "hataonaoa mpanapaka eran'ny firenena maro izahay"
Eto ny teny hoe "aho" dia manondro ny mpanoratra. Ny teny "anarana" manondro ny toetran'ny mpanjaka sy ny lazany.
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora; atao Alamota. Tonon-kira. 1 Andriamanitra no fialofanay sy herinay, famonjena mahatoky amin'ny fahoriana. 2 Noho izany dia tsy hatahotra izahay, na dia tokony hiova aza ny tany, na dia tokony hihovitrovitra aza ireo tendrombohitra, 3 na dia mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny ranony, ary na dia mangovitra miaraka amin'ny fisafoakany aza ireo tendrombohitra. Sela 4 Misy ony ao, ny fikorian'izany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra, dia ny fitoerana masin'ireo tabernakelin'ilay Avo Indrindra. 5 Andriamanitra no eo anivony; tsy ho tafahetsika izany; Andriamanitra no hanavotra azy, ary hanao izany amin'ny vao mangiran-dratsy Izy. 6 Tezitra ireo firenena ary voahozongozona ireo fanjakana; nanandratra ny feony Izy, ka niempo ny tany. 7 Momba antsika Yaveh tompon'ny maro; ny Andriamanitr'i Jakoba no fialofanay. Sela 8 Avia, indro ireo asan'i Yaveh, ny fandravana izay efa nataony teny amin'ny tany. 9 Ampitsahariny hatrany amin'ireo vazan-tany ny ady; mamotipotika ny tsipìka Izy ary manapatapaka ny lefona; mandoro ny ampinga Izy. 10 Mangina ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra; Ho asandratra eo amin'ireo firenena Aho; ho asandratra eny amin'ny tany Aho. 11 Momba antsika Yaveh Tompon'ny maro; ny Andriamanitr'i Jakoba no fialofantsika. Sela
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
"Ity dia salamo izay nosoratan'ireo zanaka lahin'i Kora"
Mety ho manondro fomba fitendry ny mozika izany
Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra toy ny hoe toerana azo antoka izay azon'ny olona andehanana. DH: "Andriamanitra manome anay fiarovana sy hery"
Ny mpanoratra miteny ny faritra lalina indrindra amin'ny ranomasina toy ny hoe fon'ny ranomasina. Eto izy dia manoritsoritra horohorontany izay nampirodana sy nanmpianjera ireo tendrombohitra tao anaty ranomasina. DH: "tokony hihovitrovitra mafy ireo tendrombohitra ka hianjera any amin'ireo lalin'ny ranomasina"
"na dia mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny ranomasina." Ny teny hoe "mirohondrohona" sy ny "misamboaravoara" dia mamaritra ny hetsika nataon'ny ranomasina nandritra ny tafiodrivotra maherivaika.
Ny andianteny hoe "ny fisafoakany" dia manondro ireo ranon'ny ranomasina raha miainaga ambony izy ireo ary midona mafy amin'ireo tendrombohitra. DH: "ny fisafoakan'ireo rano no mampangovigtra ireo tendrombohitra"
"Misy ony ao, ny fikorian'izany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra." Ny kisarisarin'ny ranomandeha dia maneho fiadanana sy fanambinana ho an'ny tanànan'Andriamanitra.
Ny andianteny "tanànan'Andriamanitra" dia manondro an'i Jerosalema, izay lazain'ny mpanoratra ho toy ny olona iray izay afaka ny ho faly. DH: "mampifaly ny vahoaka monina ao Jerosalema"
Ity andianteny ity dia mamaritra ny "tanànan'Andriamanitra." Ny "Tabernakely" ploraly dia manamafy ny hevitra fa izany dia toeram-ponenan'Andriamanitra manokana. DH: "ny toerana izay onenan'ny Avo Indrindra"
Ny teny "azy" dia manondro ny "tanànan'Andriamanitra."
Eto, ny teny hoe "tafahetsika" dia teny mitovy dika amin'ny "hihovitrovitra" ao amin'ny 46:1. Ny mpanoratra miteny ny faharavan'i Jerosalema ataon'ireo tafika toy ny hoe nisy horohorontany nandrava izany. DH: "tsy hisy afaka handrava azy"
Eto, ny teny hoe "romotra" dia teny mitpvy amin'izay nampiasain'ny mpanoratra tao amin'ny 46:1 mba hamaritana ireo ranon'ny ranomasina. Ny mpanoratra miteny ny fatahorana ireo firenena toy ny hoe hetsika maherivaika ataon'ny ranomasina mandritra ny tafiodrivotra izany. DH: "Mihorohoro ireo firenena"
Eto, ny teny "voahozongozona" dia teny mitovy amin'izay nampiasain'ny mpanoratra tao amin'ny 46:1 mba hamaritana ny vokatry ny horohorontany any an-tendrombohitra. Ny mpanoratra miteny ny firodananan'ireo fanjakana ataon'ireo tafika toy ny hoe nisy horohorontany nandrava azy ireo. DH: "tafika maro no nandrodana ireo fanjakana"
"Andriamanitra nanandratra ny feony." Ny mpanoratra miteny ny "feo" toy ny zavatra izay azon'ny olona raisina sy asandratra eny amin'ny rivotra. Midika izany fa ny feo dia tonga mafy kokoa. DH: "Nihiaka Andriamanitra"
Ny mpanoratra miteny ny tany tahaka ny hoe zavatra, toy ny lagilasy, izay mety miempo. Eto "ny tany" dia maneho ny olombelona, ary ny miempo maneho tahotra. DH: "ny vahoakan'ny tany hangovitra amin-tahotra"
Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra toy ny hoe toerana azo antoka izay azon'ny olona aleha. DH: "ilay Andriamanitr'i Jakoba manome anay fiarovana"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ilay Andriamanitra iza notompoin'i Jakoba" na 2) "Jakoba" dia maneho ny firenen'Israely ary midika hoe "ilay Andriamanitr'Israely"
"Ireo firenena ampitsahariny amin'ny adin'izy ireo"
Izany dia fomba fiteny izay midika hoe na aiza na aiza eto ambonin'ny tany. DH: "na aiza na aiza eto ambonin'ny tany"
Fomba iray izay hampitsaharan'i Yaveh ny ireo ady dia ny famotehana ireo fitaovam-piadiana ampiasain'ireo tafika hifampiadian'izy ireo.
Eto, Andriamanitra manomboka miteny.
Mahakasika ity teny ity, dia mety ho baiko ho an'ireo firenena izany mba hitsaharan'izy ireo amin'ny ady. DH: "Atsaharo ny ady"
Eto ny teny hoe "fantaro" midika hoe takarp sy ekeo fa Yaveh no Andriamanitra marina.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy fa ny vahoaka amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany dia hanandratra an'Andriamanitra. DH: "Ny vahoaka avy amin'ireo firenena rehetra hanandratra Ahy; vahoaka manerana ny tany rehetra hanandratra Ahy"
Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra toy ny hoe toerana azo antoka izay alehan'ny olona. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 46:6.
1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora. Mitehàfa tanana ry vahoaka rehetra; mihobia an'Andriamanitra amin'ny feon'ny fandresena. 2 Fa Yaveh no Avo Indrindra ka hatahorana; Izy no Mpanjaka lehibemanerana ny tany rehetra. 3 Mandresy ireo olona eo ambanitsika Izy ary ireo firenena ho eo ambany tongotsika. 4 Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, ny voninahitr'i Jakoba izay tiany. Sela 5 Andriamanitra no efa niakatra tamim-pihobiana Andriamanitra, Yaveh tamin'ny feon'ny trompetra. 6 Mihirà fiderana ho an'Andriamanitra, mihirà fiderana; mihirà ho an'ilay Mpanjakantsika, mihirà fiderana. 7 Fa Andriamanitra no Mpanjaka manerana ny tany rehetra; mihirà fiderana amin'ny fahazavan-tsaina. 8 Manjaka manerana ireo firenena Andriamanitra; mipetraka ambonin'ny seza fiandrianany masina Andriamanitra. 9 Ireo andrianan'ireo olona miangona ho an'ny vahoakan'Andriamanitr'i Abrahama; fa ireo ampingan'ny tany dia an'Andriamanitra; Izy no hasandratra indrindra.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
"Ity dia salamo izay nosoratan'ireo zanaka lahin'i Kora"
Ny miteha-tanana dia mifandray amin'ny fankalazana. DH: "Mitehàfa tanana amin'ny fankalazana"
"mihobia an'Andriamanitra amin'ny feom-pifaliana." Eto ny teny hoe "fandresena" dia manondro ny hafaliana mifandray amin'ny fandresena.
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy tantana ary midika fa Andriamanitra nanao an'Israely handresy ireo fahavalony.
Mandresy sy mametraka eo ambany fahefan'ny hafa.
Ny mpanoratra miteny ny fandresena amin'ny firenena hafa toy ny hoe mametraka ireo firenena ireo eo ambany tongony.
Ny mpanoratra miteny ny tanin'Israely toy ny hoe lova izay nomen'Andriamanitra ny vahoaka ho fananana mandrakizay. DH: "Mifidy izany tany izany ho lova ho antsika Izy"
Eto ny teny hoe "voninahitra" dia manondro loharanon'ny fireharehana ary maneho ny tany izay nomen'Andriamanitra ny vahoakany ho lovany. DH: "ny tany izay noraisin'i Jakoba ho reharehany"
Ny teny hoe "Jakoba" dia manondro ny firenen'Israely.
Ny mpanoratra mitent an'Andriamanitra mandresy ireo firenena toy ny hoe Andriamanitra dia mpanjaka niakatra tamin'ny seza fiandrianany, izay tao an-tempoly. DH: "Niakatra nakao an-tempoly Andriamanitra raha vao nihoby ny vahoaka" (UDB) na "Niakatra nankeo amin'ny seza fiandrianany Andriamanitra raha vao nihoby ny vahoaka"
Ity andianteny ity dia mitovy tantana amin'ny andianteny teo aloha. Mety ho ampiana ny matoanteny mba ho fanampim-panazavana. DH: "niakatra Yaveh raha vao nitsoka trompetra ny vahoaka"
Ny andianteny hoe "mihirà fiderana" dia averimberina ho fanamafisana. Azonao esorina ny fiverimberenana raha toa ka hafahafa amin'ny fiteninao. DH: "Mihirà, mihirà fiderana ho an'Andriamanitra; mihirà, mihirà fiderana ho an'ilay Mpanjakantsika"
"Ireo mpanapaka amin'ireo firenen-drehetra"
Ireo mety ho heviny dia ny hoe ireo mpanapak'ireo firenena 1) "miangona eo anoloan'ny vahoaka" (UDB) 2) "miangona miaraka amin'ny vahoaka" mba hiara-hanompo an'Andriamanitra ho mpanjaka izy rehetra.
Ireo mety ho heviny dia ny hoe "ampinga" 1) manondro fitaovam-piadiana. DH: "Andriamanitra manana hery mihoatra ireo fitaovam-piadian'ireo mpanjakan'ny tany rehetra" (UDB) na 2) manondro ireo mpanapaky ny tany izay lazaina ho toy ny ampinga miaro ny fireneny. DH: "ireo mpanjakan'ny tany dia manaiky an'Andriamanitra"
Tonon-kira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'ny Kora. 1 Lehibe Yaveh ary tokony hoderaina indrindra, ao an-tanànan'Andriamanitsika eo an-tendrombohiny masina. 2 Avo mahafinaritra, ny fifalian'ny tany rehetra, dia ny tendrombohitr'i Ziona, eo amin'ny ilany avaratra, ny tanànan'ny Mpanjaka lehibe. 3 Andriamanitra dia efa nampahafantatra ny tenany tao amin'ireo lapany ho fialofana. 4 Fa, indro, ireo mpanjaka niangona; niara-nandalo izy ireo. 5 Nahita izany izy ireo, ka dia talanjona; raiki-tahotra, sy nandositra faingana. 6 Nahazo azy ireo tany ny fangovitana, dia tahaka ny hirifirin'ny vehivavy eo am-piterahana. 7 Amin'ny alalan'ny rivotra tatsinanana no hamakianao ireo sambon'i Tarsisy. 8 Araka izay efa renay, no hitanay tao an-tanànan'i Yaveh tompon'ny maro, tao an-tanànan'Andriamanitray; hampitoetra izany mandrakizay anie Andriamanitra. Sela 9 Efa nihevitra ny momban'ny fanekena mahatokinao izahay, Andriamanitra o, teo afovoan'ny tempolinao. 10 Araka ny Anaranao, Andriamanitra o, dia izany koa no fiderana Anao hatrany amin'ireo vazan-tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana. 11 Aoka hifaly ny tendrombohitr'i Ziona, aoka hifaly ireo zanaka vavin'i Joda noho ny didinao marina. 12 Mandehana mihodidina ny tendrombohitra Ziona, mihodidìna aminy; isao ny tilikambony, 13 hamarino tsara ny mandany, ary zahao ireo lapany mba hahafahanao mitantara izany amin'ny taranakao ho avy. 14 Fa io Andriamanitra io no Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no ho tari-dalana ho antsika hatrany amin'ny fahafatesana.
Ity salamo ity dia hira momba an'i Jerosalema izay fonenan'Andriamanitra.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Ity dia salamo izay nosoratan'ireo zanaka lahin'i Kora"
Izany dia fanondroana an'i Jerosalema, izay naorina ao an-tendrombohitra Ziona.
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny tanàna izay onenan'Andriamanitsika" na 2) "ny tanàna izay an'Andriamanitsika"
"Avo sy mahafinaritra." Ny teny hoe "avo" dia manondro ny maha avo ny tendrombohitra Ziona.
Eto ny teny hoe "tany" dia manondro izay rehetra miaina ambonin'ny tany. Ny teny hoe "fifaliana" dia azo adika ho matoanteny. DH: "manome fifaliana ho an'ny olon-drehetra ambonin'ny tany ny tendrombohitra Ziona" na "ny olon-drehetra ambonin'ny tany mifaly noho ny tendrombohitra Ziona"
Ireo mety ho hevitra amin'ity andianteny ity dia 1) manondro ny any avaratra na 2) anarana hafa ankoatra ho an'ny tendrombohitra Ziona izay midika "ny tendrombohitr'Andriamanitra"
Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra toy ny hoe toerana azo antoka izay alehan'ny olona. DH: "Andriamanitra nampahafantatra ny tenany toy ny olona iray manome fiarovana ho an'ny olona ao amin'ny lapan'ny tendrombohitra Ziona
Ny teny "indro" eto dia manaitra antsika hifantoka amin'ny fampahafantarana manaraka.
Izany midika fa ireo mpanjakan'ny firenen-kafa nanangona ireo tafiny. DH: "nanangona ireo tafiny"
"niaraka nandalo an'i Jerosalema izy ireo"
"nahita an'i Jerosalema izy ireo"
"nikorontana tanteraka"
Ny mpanoratra miteny ny tahotr'ireo mpanjaka toy ny hoe olona izay nampangovitra ireo mpanjaka sy ireo tafiny. DH: "Tora-kovitry ny tahotra izy ireo"
Ny mpanoratra miteny ny tahotr'ireo mpanjaka toy ny hoe fanaintainana izay sedrain'ny vehivavy amin'ny fiterahana anaka ary milaza izany fanaintainana izany toy ny hoe olona. Azo ampiana ny matoanteny avy amin'ny fehezanteny teo aloha izany. DH: "nihazona mafy azy ireo ny fanaintainana, toy ny vehivavy miteraka" na "tonga natahotra izy ireo, tahaka ny vehivavy matahotra hisedra ny fanaintainana amin'ny fiterahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) io dia sarinteny izay amaritan'ny mpanoratra ireo mpanjaka matahotra toy ny hoe izy ireo no sambo izay mihozongozona satria Andriamanitra mamotika azy ireo amin'ny rivo-mahery. DH: "mihozohozo amin-tahotra izy ireo, tahaka ny sambon'i Tarsisy mihozongozona rehefa Ianao mamotika azy ireny amin'ny rovotra tatsinanana" na 2) io dia farango izay amaritan'ny mpanoratra ny fahefan'Andriamanitra lehibe.
Ireo mety ho heviny dia 1) "nisy rivotra nitsoka avy any atsinanana" na 2) "nisy rivo-Izany dia midika mahery."
Ireo ho heviny dia mety ho manondro ny 1) sambo izay miandriaka na namboarina tao amin'ny tanànan'i Tarsisy na 2) izay sambo lehibe rehetra mpiandriaka an-dranomasimbe.
Izany dia midika fa izay ren'izy ireo dia zava-dehibe izay nataon'Andriamanitra tany amin'ny lasa. DH: "Araka izay renay momba ireo zava-dehibe izay nataon'Andriamanitra"
Izany dia midika fa izy ireo efa nahita ny porofo fa ireo zavatra izay reny dia marina. DH: "nahitanay an'Andriamanitra manao zava-dehibe"
Ireo andianteny roa ireo dia manondro an'i Jerosalema. DH: "ao an-tanànan'Andriamanitra, dia Yaveh tompon'ny 'maro"
"Arovy tsara." Eto ny teny "hampitoetra" midika hoe mitahiry sy miaro zavatra.
"raha mbola tao an-tempolinao"
Eto ny teny "anarana" dia maneho ny toetra sy lazan'Andriamanitra. Ireo andianteny roa ireo dia mampitaha ny fahalehibiazan'ny lazan'Andriamanitra amin'ny fahalehibiazan'ny fideran'ny olona Azy. DH: "Lehibe tokoa ny anaranao ... ary dia izany koa nofahalehibiazan'ny hideran'ny olona Anao maneran-tany" na "efa nandre ny aminao ny olon-drehetra ... koa midera Anao ny olona maneran-tany"
Izany dia fomba fiteny izay midika fa na aiza na aiza ety ambonin'ny tany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 46:8
Ny mpanoratra miteny ny fahamarinana toy ny hoe zavatra izay azon'Andriamanitra fihinina eny an-tanany. Eto ny teny hoe "tanana" dia manondro ny ny herin'Andriamanitra sy ny fahefany hanapaka. DH: "manapaka amim-pahamarinana Ianao" na "marina Ianao rehefa manapaka"
Ny mpanoratra miteny ny tendrombohitra Ziona toy ny hoe olona izay mety ho faly. Ny andianteny midika ireo vahoaka izay monina ao Jerosalema. DH: "Aoka ireo izay monina any an-tendrombohitra Ziona ho faly"
Ny mpanoratra miteny an'ireo tanànan'i Joda toy ny hoe zanak'i Joda. Ny andianteny manondro ny vahoaka izay monina ao amin'ireo tanànan'i Joda ireo hiravo"
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy tantana. DH: "Mandehana amin'ny lalana rehetra manodidina ny tendrombohitra Ziona"
"hamarino amin'ny antsipirihany"
Ny teny hoe "tari-dalana" dia azo avadika ho matoanteny. DH: "Izy no hitari-dalana antsika"
Ireo mety ho heviny dia 1) "mandra-pahafatintsika" 2) "mandrakizay"
1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora. Mihainoa izao, ianareo olon-drehetra; manongilàna sofina, ianareo mponin'ny tany rehetra, 2 na ambany na ambony, na manan-karena na mahantra miaraka. 3 Ny vavako hilaza fahendrena ary ny fisaintsainan'ny foko hilaza fahazavan-tsaina. 4 Hanongilan-tsofina amin'ny fanoharana aho; hanomboka ny fanoharako amin'ny harpa aho. 5 Nahoana aho no tokony hatahotra ireo andro ratsy, raha manodidina ahy eo amin'ny ombelahin-tongotro ny heloka? 6 Nahoana aho no tokony hatahotra ireo izay mitoky amin'ny hareny sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany? 7 Azo antoka tokoa fa tsy hisy afaka hahavonjy ny rahalahiny na hanome tamby ho an'Andriamanitra ho azy, 8 fa ny avotr'aina dia lafo, ary tsy misy afaka hanefa izay tokony honerantsika. 9 Tsy misy afa-miaina mandrakizay izany ka tsy ho simba ny nofony. 10 Fa hahita fahasimbana izy. Ireo olon-kendry ho faty; ny adala sy ny masiaka samy ho levona sy hamela ny hareny ho an'ny hafa. 11 Mihevitra izy ireo fa ny fianakaviany, sy ireo toeram-ponenany dia hitohy mandrakizay, ho an'ireo taranany; antsoiny araka ny anarany ihany ny tanin'izy ireo. 12 Fa ny olona, manana harena, dia tsy hitoetra ho velona; tahaka ireo biby izay ho levona. 13 Ity, lalan'izy ireo ity, no adalan'izy ireo; kanefa aorian'izy ireo, dia ankasitrahan'ny olona ny fomba fiteniny. Sela 14 Tahaka ny ondry no nanendrena azy ireo ho amin'ny Fiainan-tsy hita, ary fahafatesana no ho mpiandry azy ireo. Ny olo-marina hanapaka eo amin'izy ireo nony maraina, ary ho levona any amin'ny Fiainan-tsy hita ny nofony, ka tsy hisy toerana honenan'izy ireo. 15 Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny Fiainan-tsy hita; handray ahy Izy. Sela 16 Aza matahotra raha misy olona tonga mpanan-karena, ary mitombo ny voninahitry ny ankohonany. 17 Fa rehefa maty izy dia tsy hitondra na inona na inona; tsy hidina hanaraka azy ny voninahiny. 18 Raha mbola niaina izy dia nitahy ny fanahiny— ary midera anao ny olona rehefa miaina ho an'ny tenanao ianao— 19 handeha any amin'ny taranak'ireo razany izy ary tsy hahita ny hazavana mihitsy. 20 Izay manana harena nefa tsy manana fahazavan-tsaina dia tahaka ny biby, izay ho levona.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
"Ity dia salamo izay nosoratan'ireo zanaka lahin'i Kora"
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy tantana. Raha miaraka ireo dia manamafy ny didy ho an'ny vahoaka rehetra mba hihaino.
Ity fomba fiteny ity midika ho fampiasana ny sofina hihaino.
Ny mpanoratra miteny ny olona izay malemy na tsy misy dikany eo amin'ny fiarahamonina toy ny ambany ary ny olona izay lehibe sy manana fahefana toy ny ambony. Ny teny hoe "ambany" sy "ambony" ampiarahina dia maneho ny olon-drehetra. DH: "na ny olona lehibe na ny tsy dia ilaina firy" (UDB) na "olona avy amin'ny sokajim-piainana rehetra"
Ny teny hoe "manan-karena" sy "mahantra" ampiarahina dia manondro ny olon-drehetra, tsy ankijery harena. DH: "ny olon-drehetra"
Eto ny teny hoe "vava" dia manondro ny tenan'ilay olona manontolo izay miteny. DH: "Hilaza tenim-pahendrena aho"
Eto ny teny hoe "fo" dia maneho ny fisainana sy fihevitra. Ny teny hoe "fisaintsainana" dia azo avadika ho matoanteny. DH: "ny fihevitra izay saintsainiko no hitarika amin'ny fahazavan-tsaina"
Ny mpanoratra miteny ny fihainona tsara zavatra iray toy ny hoe manondrika ny sofina mankany amin'ilay olona mitreny. DH: "mihainoa tsara"
"raha mitendry valiha aho"
Ny mpanoratra mametraka ity fanontaniana ity mba hanamafisana fa tsy misy antony hampitahotra azy rehefa mitranga ny ratsy. DH: "Tsy misy antony hampahatahotra ahy ... vodin-tongotro."
"rehefa misy zava-dratsy mitranga." Eto ny teny hoe "andro" dia manondro fotoana amin'ny ankapobeny.
Ireo mety ho heviny dia 1) ny mpanoratra miteny ireo fanirian-dratsin'ireo fahavalony toy ny hoe mpiremby vonona haka azy. DH: "rehefa vonona hahatratra ahy ny heloky ny olona mpanota" na 2) ireo fahavalon'ny mpanoratra mihodidina azy amin'ny fanaovana heloka (UDB). DH: "rehefa manodidina ahy ireo fahavaloko"
Ireo olona mitoky amin'ny hareny ireo hihazona azy ireo amin'ny tokony hijaliana.
zavatra izay lehibe dia lehibe tokoa
"Tsy hisy irika ho azy ireo" na DH: "tsy hisy afaka"
Ireo andianteny roa ireo dia samy manambara fa ny olona iray tsy mahavita manome vola an'Andriamanitra mba hialàna amin'ny fahafatesana. DH: "tsy misy afaka manonitra vola amin'Andriamanitra izany mba tsy hahafaty ny rahalahiny"
Ny teny hoe "avotra" dia azo adika ho matoanteny. DH: "lafo vidy tokoa ny manavotra ny ain'olona iray"
Izany dia manondro ny vatana mihintsa-nofo ao am-pasana.
Ny mpanoratra miteny ny fisedrana zavatra toy ny hoe mahita izany zavatra izany. DH: "ho faty izy ary ho simba ny nofony"
Ny mpanoratra manondro ny olon-drehetra amin'ny fanondroana an'ireo izay manana fahendrena be indrindra sy kely indrindra.
Izany dia midika olona iray izay tsy ampy fisainana na tsy dia mahay.
"ny finoan'izy ireo"
Ny matoanteny avy amin'ny andianteny teo aloha dia mety raha anampiana. DH: "ary ireo toeram-ponenany hitohy ho an'ny taranaka rehetra"
"manonona ny taniny araka ny tenany ihany izy ireo." Io andianteny io dia maneho fananana. DH: "ireo tanin'izy ireo ihany no alainy fananana"
"Fa ny lehilahy kosa, na dia manan-karena aza izy"
Ny mpanoratra miteny ny hanjo ny adala toy ny hoe toerana aleha amin'ny fiafaran'ny lalankely izay andehanany. DH: "Izany no hanjo ireo izay manao fahadalana"
"kanefa aorian'ny hahafatesan'izy ireo"
Ny mpanoratra manohy mamaritra ny olona izay mino ny hareny hanavotra azy.
Ny mpanoratra mampitaha ny olona izay ho faty avokoa amina andian'ondry. Tahaka ny ondry izay tsy afa-mandositra rehefa manapa-kevitra hamono azy ireo ny mpivaro-kena, koa dia tsy ho afa-mandositra ny olona amin'ny fotoana ahafatesany.
Ny mpanoratra miteny ireo olona ho faty amin'ny alalan'ny famadihana ny fahafatesana ho mpiandry ondry mitarika azy ireo ao am-pasana. DH: "hanaisotra azy ireo tahaka ny mpiandry ondry mitarika ondry ho vonoina ny fahafatesana"
Eto ny teny hoe "maraina" dia sarinteny izay manondro fotoana izay hanamarinan'Andriamanitra ny olo-marina ary hanavotany azy ireny amin'ny olon-dratsy.
Ny mpanoratra milaza ny Fiainan-tsy hita, ny fitoeran'ny maty, toy ny hoe olona na biby. Izy miteny ny fahasimban'ireo vatana efa maty toy ny hoe hanin'i Seola na Fiainan-tsy hita. DH: "Hihintsana ny nofon'izy ireo ao am-pasana"
Ny mpanoratra miteny ny Fiainan-tsy hita toy ny hoe olona izay manan-kery eo amin'ireo izay maty. Mahakasika ny hevitra, midika izany fa manondro ny fandevonana ireo vatan'ny maty ny hery.
Eto ny teny hoe "fiainana" dia manondro an'ilay olona manontolo. DH: "Andriamanitra hamonjy ahy"
Ny teny hoe "voninahitra" eto dia manondro ny harena na fananana. Ireo mety ho heviny dia 1) "rehefa mahazo harena maro kokoa ao an-tranony izy" na 2) "rehefa tonga manan-karena kokoa ny ankohonany"
"tsy hitondra na inona na inona miaraka aminy any am-pasana akory izy"
Ny andianteny hoe "midina" dia manondro ny fotoana ahafatesan'ny olona. DH: "tsy mba hanaraka ny voninahiny rehefa maty izy" na "tsy hahatazona ny lazany akory izy rehefa maty"
Io andianteny io midika fa izy mihevi-tena sambatra sy tafita noho ireo hareny.
Eto ny mpanoratra manolotra fanambarana amin'ny ankapobeny momba ny fomba ilazan'ny olona ny olon-kafa izay tafita araka ny fanaon'izao tontolo izao.
Ity andianteny ity manondro ny fiainana feno fanambinana araka ny fanaon'izao tontolo izao. DH: "ataovy amin'ny tenanao tsara" na "miaina feno fanambinana"
"handeha ani amin'izay misy ireo taranak'ireo razany izy." Izany dia fanlefahan-teny izay midika fa ny lehilahy mpanan-karena ho faty ka hamonjy ireo razambeny ao am-pasana. DH: "hamonjy ireo razambeny any am-pasana izy"
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ilay lehilahy mpanan-karena sy ireo razambeny. Ny teny hoe "hazavana" dia mety hanondro ny masoandro na mety ho sarinteny ho an'ny fiainana. DH: "tsy mba hahita intsony ny masoandro izy ireo" na "tsy mba hiaina intsony izy ireo"
Salamo nataon'i Asafa. 1 Ilay Tsitoha, Andriamanitra, Yaveh, dia efa niteny sy niantso ny tany manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany. 2 Avy ao Ziona, ilay lafatra amin'ny hatsaran-tarehy, no nasehon'Andriamanitra. 3 Ho avy ny Andriamanitsika ka tsy mba mangina; hisy afo mandevona eo anoloany, ary tafio-drivotra be no eo amin'ny manodidina Azy. 4 Miantso ny lanitra ambony sy ny tany Izy mba hahafahany mitsara ny vahoakany: 5 "Angony miaraka ho ety amiko ireo mahatoky Ahy, dia ireo izay efa nanao fanekena tamiko tamin'ny sorona." 6 Ny lanitra hanambara ny fahamarinany, fa Andriamanitra tenany mihitsy no mpitsara. Sela 7 Mihainoa, ry oloko, dia hiteny Aho, Izaho no Andriamanitra, ilay Andriamanitrareo. 8 Tsy hananatra anao noho ireo soronao aho; manoloana ahy hatrany ireo fanatitrao ho dorana. 9 Tsy haka ombilahy avy ao an-tranonao aho, na osilahy avy ao am-balanao. 10 Fa Ahy ny biby rehetra any an'ala, sy ny biby fiompy rehetra eny amin'ny havoana an'arivony. 11 Fantatro avokoa ny voro-manidin'ny tendrombohitra rehetra, ary Ahy ireo bibidia any an-tsaha. 12 Raha noana Aho, tsy mba hiteny aminao izany; fa Ahy ny tany, sy izay rehetra ao aminy. 13 Moa hihinana ny nofon'ny ombilahy ve Aho na hisotro ny ràn'ny osy? 14 Atolory an'Andriamanitra ny sorom-pisaorana, ary efao amin'ny Avo Indrindra ireo voadinao. 15 Antsoy Aho amin'ny androm-pahoriana; dia hamonjy anao Aho, ary hanome voninahitra Ahy ianao. 16 Fa hoy kosa Andriamanitra amin'ny ratsy fanahy hoe: "Inona ho ataonao amin'ny fanambarana ireo lalàko, fa efa noraisinao ho eo am-bavanao ny 17 fanekeko, satria mankahala ny fananarana ianao ary manary ireo teniko? 18 Rehefa mahita mpangalatra ianao, dia miray lopha aminy ianao; mandray anjara amin'nyireo izay mijangajanga ianao. 19 Atolotrao ho an'ny ratsy ny vavanao, ary ny lelanao maneho fitaka. 20 Mipetraka ianao ary miteny manohitra ny rahalahinao; endrinkendrehinao ny zanaka lahin-dreninao. 21 Efa nanao ireo zavatra rehetra ireo ianao, nefa nihazona ny fahanginana aho, sao dia nihevitra mantsy ianao fa olona mitovy amin'ny tenanao ihany Aho. Nefa hananatra anao aho ary hampiakatra, ho eo amin'ny tandrifin'ny masonao, ny zava-drehetra vitanao. 22 Asio fiheverana tsara izany, ianao izay nanadino an'Andriamanitra, raha tsy izany dia hopotipotehiko ianao, ary tsy hisy ho avy hanampy anao! 23 Izay manolotra sorom-pihavanana no mankalaza Ahy, ary ho an'izay mikasa ny lalany ho amin'ny lala-marina no hanehoako ny famonjen'Andriamanitra."
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ity salamo ity dia tonon-kira izay mampianatra ny olona,
"Ity dia salamo nosoratan'i Asafa."
Ny mpanoratra mampiasa karazana anarana telo mba hilazana an'Andriamanitra.
Eto ny teny hoe "tany" dia manondro ny olon-drehetra monina ambonin'ny tany. DH: "niantso ny olon-drehetra"
Ity andianteny ity dia manondro ireo torolalana miatsinanana, izay iposahan'ny masondro, ary andrefana, izay ilentehan'ny masoandro. Ny mpanoratra mampiasa ireo ilany roa ireo mba hanehoana hoe na aiza na aiza eto an-tany. DH: "na aiza na aiza eto an-tany"
Ireo mety heviny dia 1) "Ziona, ilay lafatra amin'ny hatsaran-tarehy" na 2) "Ziona, ilay tanàna tsara tarehy indrindra."
Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra toy ny hoe hazavana izay mitaratra. Io dia manondro an'Andriamanitra mampahafantatra ny olony momba ny voninahiny. DH: "mitaratra toy ny hazavana ny voninahitr'Andriamanitra"
Ny mpanoratra mampiasa ity fanambarana mihiba ity mba hanamafisana ny mihabo. DH: "miteny mba hahenoin'ny rehetra Azy"
Ny mpanoratra miteny ny afo mandoro zavatra toy ny hoe mihinana azy ireo. DH: "hisy afo mandoro eo anoloany"
"misy tafio-drivotra lehibe manodidina Azy"
Ireo mety ho heviny dia 1) Andriamanitra miantso izay rehetra monina any an-danitra sy ety an-tany mba ho vavolombelona rehefa mitsara ny olombelona Izy na 2) Andriamanitra miteny ny lanitra sy ny tany toy ny hoe olona, ary miantso azy ireo Izy mba ho vavolombelona rehefa mitsara ny tany Izy.
Ireo mety ho heviny dia 1) ny mpanoratra mampiasa ny teny hoe "lanitra" mba hanondroana ireo anjely izay monina any (UDB) na 2) ny mpanoratra miteny ny "Ny lanitra" toy ny hoe olona izay mijoro vavolombelona momba ny fahamarinanan'Andriamanitra.
"Hananatra anao Aho, fa tsy ho an'ny fanatitrao kosa." Andriamanitra manazava fa tsy ireo soron'izy ireo no antony ananarany azy ireo.
"mideby" na "manasazy"
Izany dia manazava ny antony ibedesan'Andriamanitra azy ireo noho ireo sorony. Ny andianteny "manoloana Ahy hatrany" dia manondro ny maha eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra ary midika fa ny olona manao sorona ireo fanatitra dorana aminy hatrany. DH: "manao sorona fanatitra dorana ho Ahy hatrany ianareo"
"fefy"
Ny andianteny hoe "eny amin'ny havoana an'arivony" dia tsy maneho ny totalin'isan'ny biby fiompy rehetra izay ananan'Andriamanitra. Ny tarehimarika dia fanitarana izay manamafy fa Andriamanitra no tompon'ny biby fiompy rehetra ambonin'ny tany. Ny matoanteny avy amin'ny andianteny teo aloha dia azo raisina. DH: "Ahy ireo biby fiompy rehetra amin'ny tany"
"havoana 1.000"
Eto ny teny hoe "fantatro" dia midika fananana. DH: "Ahy ireo voro-manidina rehetra"
Izany dia manoritsoritra zavatra izay tsy mitranga akory, satria Andriamanitra tsy mba noana izany.
Andriamanitra mametraka izany fanontaniana fampisainana izany mba hanamafisana fa tsy manao ireo zavatra ireo Izy ary tsy mila izay soron'izy ireo. DH: "Tsy mihinana ny nofon'ny ombilahy Aho na hisotro ny ràn'ny osy."
Eto Andriamanitra manondro ny tenany. DH: "Atolory Ahy"
Ny mpanoratra miteny ny "voady" toy ny hoe vola izay aloa amin'Andriamanitra. DH: "tanteraho ireo voadinao amin'Andriamanitra" na "ataovy izay efa nianiananao fa hataonao tamin'Andriamanitra"
Eto ny teny hoe "andro" dia manondro fotoana tsy voafaritra. DH: "na oviana na oviana manam-pahoriana ianao"
Eto Andriamanitra dia mbola milaza sy miteny amin'ny teniny ihany. DH: "Fa amin'ny ratsy fanahy kosa dia hoy Aho"
Ny teny hoe "ratsy fanahy" dia manondro ireo oloan ratsy fanahy amin'ny ankapobeny. DH: "amin'ny olona ratsy fanahy"
Andriamanitra mampiasa io fanontaniana io mba hibedesana ireo olona ratsy fanahy. Azo avadika ho fanamabrana izany fanontaniana izany. DH: "Tsy misy dikany ny hanambaranao ireo lalàko, raha mbola mankahala ny fampianarako ianao ary manary ny teniko." na "tsy mety aminao ny manambara ireo lalàko ... manary."
Andriamanitra miteny ireo olona ratsy fanahy manao tsianjery ny tenin'ny fanekeny toy ny hoe izy ireo mametraka ny fanekeny eo am-bavany. DH: "miresaka momba ny fanekeko"
Andriamanitra miteny ireo olona ratsy fanahy mifaly amin'izay lazain'Andriamanitra toy ny hoe izy ireo manipy fako. DH: "mandà izay lazaiko"
Ireo mety ho heviny dia 1) izy ireo manaiky ireo asan'ny mpangalatra. DH: "ianao manaiky azy" na 2) izy ireo manaraka ny mpangalatra amin'ireo asa ratsiny. DH: "ianao miaraka aminy"
Andriamanitra miteny ny olona milaza zava-dratsy toy ny hoe iraka izay irahan'ilay olona hanao zava-dratsy ny vavany. DH: "Milaza zava-dratsy foana ny ianao"
Ny teny hoe "lela" eto dia maneho ilay olona miteny. DH: "milaza lainga foana ianao"
Ireo andianteny ireo dia manana hevitra mitovy fa kosa mampiasa teny samihafa.Andriamanitra miampanga azy ireo amin'ny filazana lainga amin'ireo fianakaviany ihany.
Ny "mipetraka sy miteny" hanohitra olona dia midika fa minia mieritreritra zava-dratsy hilazana olona izany olona izany. DH: "mieritreritra fomba hitenenana foana ianao"
satria Andriamanitra nihazona fahanginana ary tsy mbola nibedy ireo olona ratsy fanahy tamin'ireo asany, dia noheverin'izy ireo fa neken'Andriamanitra izay nataony. DH: "mihevitra ianao fa olona manao fihetsika tahaka ny ataonao ihany Aho"
"hibedy" na "hanasazy"
Andriamanitra miteny ny fitanisana ireo zava-dratsy rehetra izay nataon'izy ireo. DH: "hitanisa ... ireo zavatra rehetra izay nataonao"
Eto, ny maha "eo anoloan'ny masonao" midika fa izany dia eo amin'ny toerana izay ahafahan'izy ireo mahita. Izany midika fa izy ireo tsy ho afa-mandà ireo vesatra izay entin'Andriamanitra hanohitra azy ireo. DH: "eo amin'ny tandrifinao indrindra" na "mba tsy handavanao ireny"
Andriamanitra miteny ny ratsy fanahy mandà Azy toy ny hoe noadinoin'izy ireo Izy. DH: "ianao ilay nandà Ahy"
Andriamanitra miteny ny fandringanana ny ratsy fanahy toy ny hoe liona mihinana ny hazany. DH: "hamotika anao Aho"
Andriamanitra miteny ny lalam-piainan'ny olona iray toy ny hoe lalankely izay alehan'ilay olona. DH: "miaina ny fiainany amin'ny lala-marina"
Eto Andriamanitra miteny ny famonjena olona iray toy ny hoe mampahita ny famonjeny ho an'olona. DH: "Hamonjy azy Aho"
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davifda; rehefa nanatona an'i Natana mpaminany taorian'ny nandriany niaraka tamin'i Barseba. 1 Mamindra fo amiko, Andriamanitra o, noho ny fanekenao mahatoky; noho ny amin'ny hamaroan'ny asam-pamindram-ponao, vonoy ny fahadalàna nataoko. 2 Sasao an-tsakany sy an-davany aho mba ho afa-keloka ary diovy amin'ny fahotako. 3 Fa fantatro ny heloko, ary eo anoloako mandrakariva ny fahotako. 4 Taminao, ary taminao irery, no efa nanotako sy nahavitako zava-dratsy teo imasonao; fa mahitsy Ianao raha miteny; ary marina raha mitsara 5 Indro, teraka tamin'ny heloka aho; raha mbola notorotoronin-dreniko, dia efa tamin'ny fahotana aho. 6 Indro, maniry fahamendreham-pitokisana ato am-poko Ianao; ato am-poko no hampahafantaranao ahy fahendrena. 7 Diovy amin'ny hysopa aho, dia ho madio; sasao aho, dia ho fotsy mihoatra ny oram-panala. 8 Ampandreneso haravoana sy fifaliana aho mba hahafahan'ny taolako notapahinao hifaly. 9 Afeno amin'ny tavanao ireo otako ka afaho ny heloko rehetra. 10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra o, ary havaozy ho fanahy marina ny ato anatiko. 11 Aza alavirina amin'ny fanatrehanao aho, ary aza esorina amiko ny Fanahinao masina. 12 Avereno amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao, ary tohano amin'ny fanahy vonona aho. 13 Dia hampianatra ireo mpandika lalàna ny lalanao aho, ka dia hiova fo ireo mpanota. 14 Mamelà ahy noho ny fandatsahan-drà, ry Andriamanitry ny famonjena ahy, dia hihiaka ny fifalian'ny fahamarinanao aho. 15 Tompo o, sokafy ny molotro, dia haneho dera ho Anao aho. 16 Fa tsy mankasitraka sorona Ianao, na izaho manolotra izany; tsy manana fahafinaretana amin'ny fanatitra dorana Ianao. 17 Ireo fanatitr'Andriamanitra dia fanahy torotoro. Ianao, Andriamanitra o, dia tsy hanao tsinontsinona ny fo torotoro sy manenina. 18 Manaova soa amin'ny fankasitrahanao an'i Ziona; Areno indray ny mandan'i Jerosalema. 19 Dia hankasitraka ireo sorom-pahamarinana, amin'ny fanatitra dorana ary ireo fanatitra dorana rehetra Ianao; ka dia hanolotra ombilahy eo amin'ny alitara ny vahoakanay.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Eto amin'ity salamo ity Davida dia mangataka famelan-keloka amin'Andriamanitra.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Azo ambara mazava tsara izay nataon'i Natana rehefa nanatona an'i Davida izy, satria ity salamo ity dia mamaly izany. DH: "rehefa nanatona sy nibedy an'i Davida i Natana mpaminany"
"taorian'ny nandrian'i Davida niaraka tamin'i Batseba"
"satria Ianao manao asa fiantrana maro dia maro"
Ny famelan-keloka dia lazaina hoe 1) mamono ireny na 2) mamafa ny firaketana an-tsoratra ireo fahotana. DH: "avelao tahaka ny olona mamafa zavatra ny heloko" na "adinoy tahaka ny olona mamafa firaketan-keloka ny fahotako"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy.
Ny ankasitrahana amin'Andriamanitra dia lazaina ho madio. Andriamanitra manao ny olona ho ankasitrahana amin'ny famelana ny helok'izy ireo. DH: "Sasao ny heloko rehetra"
"tanteraka"
Ny ankasitrahana amin'Andriamanitra dia lazaina ho madio.Andriamanitra manao ny olona ho ankasitrahana amin'ny famelana ny helok'izy ireo. DH: "Ataovy madio aho ho afa-pahotana"
Ny tsy fahafahana manadino ireo fahotany dia lazaina toy ny hoe eo anolony mandrakariva ireny ary hitany foana. DH: "mahatsiaro ireo fahotako foana aho" na "tsy haiko ny hanadino ireo fahotako"
"sy nanaovako izay ratsy"
Ny fampiasa anankiroa ny "indro" eto dia misarika ny saintsika ny fifanoheran'ireo zava-misy roa ireo. DH: "Teraka tamin-keloka marina dia marina tokoa aho ... Fa Ianao kosa maniry fahamendreham-pitokisana"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary miaraka ampiasaina ho fanamafisana.
Ny maha mpanota dia lazaina toy ny hoe amin'ny heloka. DH: "efa mpanota aho hatramin'ny vao teraka"
Ny maha mpanota dia lazaina toy ny hoe amin'ny fahotana. DH: "eny fa na tamin'ny notorotoronin-dreniko aza, dia efa mpanota aho"
Ny fo dia maneho 1) ny fanirian'ny olona na 2) ilay olona manontolo. DH: "mila ahy haniry fahamendreham-pitokisana Ianao" na "mila ahy ho mendri-pitokisana Ianao"
Ny ankasitrahana amin'Andriamanitra dia lazaina ho madio na fotsy. Andriamanitra manao ny olona ho azo ekena amin'ny famelana ireo helok'izy ireo.
Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra toy ny hoe mpisorona izay hamafy rano aminy mba hanao azy ho azo ekena amin'Andriamanitra. DH: "ataovy ho ankasitrahana aho amin'ny alalan'ny famafazan-drano amiko amin'ny hysopa" na "Avelao heloka aho mba ho ankasitrahana aminao"
Izany dia zava-maitso izay ampiasain'ny mpisorona hamafazana rano na rà amin'ny olona na zavatra mba hanadiovana azy ireo ara-pombafomba, izany hoe, ankasitrahana amin'Andriamanitra.
Ny tsy misy fahotana dia lazaina toy ny hoe fotsy. DH: "fotsy tena fotsy"
Ireo teny roa ireo midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy ny faniriany handre zava-mahafinaritra.
Ny fahatsapana alahelo mangidy dia lazaina toy ny hoe tapatapaka ny taolany. DH: "fa nanisy alahelo mangidy tato anatiko Ianao. Aoka aho hifaly indray!"
Ny fiheverana momba ny fahotan'ny olona iray dia lazaina toy ny hoe mahita ireo. Ny famelàna na fandavana ny hieritreritra momba ny fahotana dia lazaina ho misafidy ny tsy hijery izany. DH: "Aza mijery ireo fahotako" na "Aza mahatsiaro ireo fahotako"
Ny famelana na fandavana hieritreritra momba ny fahotan'olona iray dia lazaina ho 1) mamafa ireny na 2) mamafa firaketam-pahotana. DH: 1) "avelao tahaka ny olona iray mamafa zavatra ny heloko" na "adinoy tahaka ny olona iray manafoana firaketam-pahotana ny heloko"
Eto ny "fo" dia maneho ny fihetseham-po sy faniriana. Ny manolo-tena sy mankatoa tanteraka an'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe manana fo madio. DH: "Ampanolory tena aminao aho" na "Ataovy maniry hankatoa Anao mandrakariva aho"
Eto ny "fanahy" dia maneho ny toe-tsaina sy ny fanirian'i Davida. DH: "amarino ny toe-tsaiko" na "ataovy maniry hanao izay marina mandrakariva aho"
"Aza manery ahy hanalavitra Anao." Ny lavin'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe terena hanalavitra Azy. DH: "Aza mandà ahy tsy ho iray amin'ireo olonao" (UDB)
"ary hazony aho" na "ampio aho"
"ny fomba tianao hiainan'ny olona" na "izay tianao hataon'ny olona"
Ireo teny roa ireo dia manondro olona mitovy eto.
Ity andianteny ity dia manondro famonoana olon-kafa.
Ny maha afaka miresaka dia lazaina toy ny hoe ny molotra misokatra. Eto ny tsy afa-miteny dia mariky ny maha meloka amin'ny ota ary tsy afaka miaro tena. DH: "Tompo o, ataovy afa-miteny aho, dia hidera Anao"
Izany dia midika fa Andriamanitra maniry zavatra lehibe kokoa mihoatra ireo zavatra ireo. DH: "tsy ampy ankasitrahanao raha izay sorona ... maniry zavatra mihoatra ny fanatitra dorana Ianao"
"Ireo sorona izay ankasitrahan'Andrimanitra"
Ny fanahy torotoro dia maneho toe-tsaina manetry tena. DH: "fanetren-tena" na "ny olona iray izay tonga manetry tena"
Ny mha manetry tena sy manenina amin'ny fahotan'ny olona iray dia lazaina toy ny hoe manana fo torotoro sy mangorakoraka. Ny fo maneho ny fihetseham-po sy sitrapo. DH: "alahelo sy fanetren-tena" na "ny olona iray izay manenina amin'ny fahotany sy manetry tena"
Ny mandan'ny tanàna dia miaro izany sy ny olona ao aminy. Ireo mety ho heviny dia 1) "manao anay hanorina indray ny mandan'i Jerosalema" na 2) "miaro an'i Jerosalema sy manamafy azy"
Ny ombilahy matetika dia nampiasaina ho bibin'ny fisoronana, araka ny torolalan'Andriamanitra.
Ho an'ny mpiventy hira. Maskilan'i Davida; rehefa tonga hiteny an'i Saoly i Doega Edomita, ary niteny taminy hoe: "Tonga ao an-tranon'i Ameleka i Davida." 1 Nahoana ianao no mirehareha amin'ny fanaovan-dratsy, ianao ry lehilahy mahery? Tonga isan'andro ny famindram-pon'Andriamanitra. 2 Mikasa famotehana ny lelanao tahaka ny hareza maranitra, miasa amim-pitaka. 3 Tia ratsy mihoatra ny tsara ianao ary mandainga toy izay milaza ny fahamarinana. Sela 4 Mankafy ny teny rehetra izay mandevona ny hafa ianao, ianao ry lela mpamitaka. 5 Hamotika anao toy izany mandrakizay koa Andriamanitra; haka anao Izy ka hamongotra anao ao amin'ny lainao tsy ho eo amin'ny tanin'ny velona. Sela 6 Hahita izany ihany koa ny matrina dia hatahotra; hihomehy azy izy ireo ka hiteny hoe: 7 "Indro, ity ilay lehilahy tsy nanao an'Andriamanitra ho fialofany, fa nitoky tamin'ny fahamaroan'ny hareny, ary nahery izy foiny izy namotika ny hafa." 8 Fa raha izaho aloha, dia tahaka ny hazon'oliva maitso ao an-tranon'Andriamanitra aho; hatoky ny fanekena mahatokin'Andriamanitra mandrakizay doria aho. 9 Hanome sitraka Anao mandrakariva aho amin'izay vitanao. Hiandry ny Anaranao eo amin'ny fanatrehan'ny vahoakanao masina aho, satria tsara izany.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Eto amin'ity salamo ity ny teny hoe "ianao" dia manondro an'i Doega. Rehefa nitady hamono an'i Davida i Saoly, dia I Doega no namboraka tpamin'i Saoly izay misy an'i Davida mba hisamboran'i Saoly azy.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Mety ho manondro karazana mozika izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 32:1
Anaran-dehilahy ireo.
Ity fanontaniana ity dia mampiseho ny fahatezeran'i Davida tamin'ilay nahatonga ny korontana. DH: "Tsy tokony ho mirehareha loatra amin'ny fanaovan-dratsy ianao, ry lehilahy mahery."
Mety nampiasa eson-teny Davida tamin'ny niantsoany an'izany an'i Doega. DH: "ianao, izay mihevitra fa tena mahery"
Davida miteny ny famindrampon'Andriamanitra toy ny hoe zavatra izay mety tonga. Mety manondro ireo fampanantenan'Andriamanitra hiaro ny vahoakany amin'ny olona ratsy fanahy angamba Davida. Azo ambara mazava tsara izany. DH: "Andriamanitra dia mahatoky amin'ny fihazonana ny fanekeny" na "Andriamanitra miaro ny vahoakany amin'ireo olona ratsy fanahy tahaka anao"
Eto ny lela dia ampitahaina amin'ny hareza maranitra izay afaka mandratra. DH: "Ny lelanao mandratra olona tahaka ny ataon'ny hareza maranitra, rehefa mikasa famotehana ianao ary mamitaka ny hafa"
Eto ny "lelanao" dia manondro an'ilay olona izay itenenan'i Davida. DH: "Ianao"
Davida manohy miteny amin'ilay "lehilahy mahery" ao amin'ny 52:1
"tia mandainga ianao mihoatra ny milaza izay marina"
Eto ny teny izay mandratra ny hafa dia lazaina toy ny hoe biby izay mandevona olona. DH: "ny teny izay mandratra ny hafa"
Izany dia manondro an'ilay olona izay itenen'ny mpanoratra. DH: "ianao ry mpiteny fitaka" na "ianao ry mpandainga"
Ireo andinateny telo rehetra ireo dia karazam-pomba fitenenana ho "hanaisotra anao"
Ny hoe velona ambonin'ny tany dia lazaina hoe ny olombelona tahaka ny zava-maniry izay mamaka ao anaty tany. Andriamanitra mamono olona iray dia lazaina toy ny hoe Izy mihady ny fototr'ilay zava-maniry ary manala izany ao anaty tany. DH: "Haka anao amin'ny tanin'ny velona Izy" na "hamono anao Izy mba tsy ho ety an-tany hiaraka amin'ny velona intsony ianao"
Ity dia mety ho fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany.
Hahita an'Andriamanitra hanala azy ny marina ka hatahotra"
"tokoa"
Eto ny "fialofana" dia maneho fiarovan. DH: "tsy nanao an'Andriamanitra ho fiarovany" na "tsy nangataka an'Andriamanitra hiaro azy"
Ny hazon'oliva maitso dia mafy sy voaaro. Tsy mba halazo izany.
Ny hoe azo antoka sy voaaro dia lazaina tahaka ny hazo mafy. DH: "mahery aho ao an-tranon'Andriamanitra, tahaka ny hazon'oliva maitso" na "Satria aho manompo ao an-tranon'Andriamanitra, dia voaaro tahaka ny hazon'oliva maitso aho"
Manondro ny tempolin'Andriamanitra izany.
Ny anaran'Andriamanitra dia maneho an'Andriamanitra tenany mihitsy. ny fiandrasana an'Andriamanitra dia maneho fiandrasana an'Andriamanitra hanampy azy. DH: "Hiandry Anao aho, satria tsara Ianao" na "Hiandry Anao aho hanampy ahy, satria tsara Ianao"
1 Ho an'ny mpiventy hira; atao Mahalata. Maskilan'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: "Tsy misy Andriamanitra." Mpanao ratsy avokoa izy ireo ary nahavita heloka fahavetavetana; tsy misy manao ny tsara. 2 Miondrika mijery ireo zanak'olombelona avy any an-danitra Andriamanitra mba hizaha raha misy mahatakatra, izay mitady Azy. Fa nivily avokoa izy rehetra. 3 Niara-nihova ho mpanao ratsy izy ireo. Tsy misy izay manao ny tsara, na dia iray monja aza. 4 Moa ireo izay manao ratsy tsy manana fahazavan-tsaina dia ireo— izay mandevona ny oloko tahaka azy ireo mihinana mofo ary tsy miantso an'Andriamanitra izy ireo? 5 Tao anaty tahotra lehibe izy ireo, na dia tsy nisy antony tokony hampatahotra; fa Andriamanitra hanapatapaka ireo taolan'izay hitoby hanohitra anao; ny olona toy izany dia ho halaim-baraka satria efa nolavin'Andriamanitra izy ireny. 6 Enga anie ka ho tonga any Ziona ny famonjena ny Israely! Rehefa entin'Andriamanitra miverina avy tamin'ny fahababoana ny olony, dia ho ravoravo i Jakoba ary ho faly i Israely!
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Mety ho manondro karazana mozika izany
Mety ho manondro fomba fitendry ny mozika izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 32:1
Io dia manondro ny olona rehetra.
Ny mitady an'Andriamanitra toy ny iray izay mitady olona dia lazaina toy ny hoe "mitady" an'Andriamanitra. Ireo mety hoe heviny dia 1) te hahalala an'Andriamanitra. DH "izay te hahalala Azy" na 2) manompo an'Andriamanitra. DH: "izay manompo Azy"
Ny fandavana an'Andriamanitra sy ny tsara dia lazaina toy ny hoe mivily. DH: "Efa nivily tamin'ny fanaovana izay tsara avokoa izy rehetra" na "Efa nandà an'Andriamanitra avokoa izy rehetra"
Ity fanontaniana ity dia ampiasaina mba hampisehoana ny dona izay manjo ny mpanoratra satria tena manota ny olona. Azo soratana ho fanambarana anankiroa izany. "Izay manao asa ratsy na dia tsy mahalala na inona na inona aza. Dia mandevona ny oloko toy ny hoe izy ireo mihinana mofo, ary tsy mba miantso an'Andriamanitra!"
Ny famotehana olona dia lazaina toy ny hoe mandevona azy ireo. Ny fanaovana izany dia tahaka ny hoe izy ireo mihinana mofo midika fa nanao izany mora foana izy ireo na koa hoe tsy mahatsiaro meloka amin'izany mihitsy. DH: "izay mamotika ny oloko am-pahalalahana tahaka ny hoe izy ireo nihinana mofo"
Ny fanapatapahana ny taolan'ny olona dia maneho famonoana azy ireo ary mamela ny taolan'izy ireo any amin'ny toerana nahafatesany ka tsy ho voalevona araka ny tokony ho izy. DH: "Andriamanitra hamotika tanteraka izay rehetra hitoby hanohitra anao, ary ho tavela amin'ny tany hiparitaka eo ny taolany"
Ny fitobiana hanohitra olona dia maneho famelezana azy ireo. Ireo tafiky ny fahavalo dia nanao dia lavitra ka nametraka toby mba honina vonjimaika akaikin'ny vahoaka izay tian'izy ireo hotafihana. DH: "izay rehetra hamely anao"
Ny teny hoe "enga anie" dia manolotra fanairana izay maneho fanantenana na vavaka. DH: "Mantena aho fa ho tonga ny famonjena an'Israely" na "Mivavaka aho mba ho tonga ny famonjena an'Israely"
Ny famonjena dia maneho an'Andriamanitra, ilay mpanavotra, izay any Ziona ny tempoliny. DH: "ilay mpanavotra an'Israely no ho tonga avy any Ziona" na "Andriamanitra ho tonga avy any Ziona ka hanavotra an'Israely"
"Rehefa manavotra ireo olony nobaboina Andriamanitra"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy.
Eto "Jakoba" dia maneho ireo taranak'i Jakoba, dia ny Israelita.
Ho an'ny mpiventy hira; hampiarahina amin'ny lokanga. Maskilan'i Davida; rehefa tonga ireo Zifita ary niteny tamin'i Saoly hoe: "Moa tsy nanafina ny tenany niaraka tamintsika ve i Davida?" 1 Vonjeo amin'ny Anaranao aho, ry Andriamanitra, ary tsarao amin'ny herinao. 2 Henoy ny fivavako, ry Andriamanitra; anongilano sofina ireo tenin'ny vavako. 3 Fa olona hafa firenena no mijoro hanohitra ahy, ary lehilahy tsy misy indrafo no nanenjika ny aiko; tsy nametraka an'Andriamanitra teo anoloany izy ireo. Sela 4 Indro, Andriamanitra no mpamonjiko; ny Tompo irery ihany no manohana ahy. 5 Hamaly ny ratsy nataon'ireo fahavaloko Izy; aringano izy ireny, amin'ny fahatokianao! 6 Amin'ny fanati-tsitrapo no hanaovako sorona ho Anao; fisaorana no atolotro ho Anao, ry Yaveh, fa tsara izany. 7 Satria namonjy ahy tamin'ny loza rehetra Izy; efa nahita fandresena tamin'ireo fahavaloko ny masoko
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ity salamo ity dia vavaka ho an'ny famonjena.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
"Tokony hitendry zava-maneno misy tadiny ny olona amin'ity hira ity"
Mety ho manondro fomba fitendry ny mozika izany
Ireo vahoaka avy ao amin'ny tanànan'i Zifita any amin'ireo tendrombohitra Jodia, atsimo andrefan'i Hebrona.
Ity fanontaniana ity dia ampiasaina hanehoana fa zava-dehibe tokony ho fantatr'i Saoly izany. DH: "Mira-miery aminay i Davida."
Eto ny anaran'Andriamanitra dia maneho ny toetrany. Mety maneho ny fahefany manokana nagamba izany na ny fahitsiany. DH: "Vonjeo aho, Andriamanitra o, amin'ny alalan'ny herinao"
Ny fitsarana an'i Davida eto dia maneho ny fampisehoana amin'ny vahoaka fa tsy meloka i Davida. Rehefa mampiasa ny heriny hanavotana an'i Davida Andriamanitra, dia ho fantatry ny vahoaka fa nitsara azy tsy ho meloka tokoa Andriamanitra. DH: "Amin'ny herinao, dia ampisehoy amin'ny vahoaka fa tsy meloka aho" na "Ampisehoy amin'ny vahoaka fa tsy meloka aho amin'ny alalan'ny fampiasana ny herinao hamonjena ahy"
Ny manongilan-tsofina dia maneho fihainoana. DH: "henoy ireo teny"
Ity fomba fiteny ity dia maneho izay lazain'ny mpilaza. DH: "ireo teniko" na "izay lazaiko aminao"
Ny fijoroana hanohitra olona iray dia maneho fivononana hamely azy na tena mamely azy mihitsy. DH: "nivonona hamely ahy" na "mamely ahy"
"lehilahy izay tsy manana fiantrana"
Ny fanenjehana ny ain'ny olona iray dia maneho fitadiavana hamono azy. DH: "no efea mitady hamono ahy" na "mitady hamono ahy"
Ny fametrahana an'Andriamanitra ho eo anoloan'izy ireo dia maneho firaharahiana an'Andriamanitra. DH: "tsy miraharaha an'Andriamanitra izy ireo" na "mandingana an'Andriamanitra izy ireo"
Ny fiarovana an'i Davida sy fitandroana azy dia lazaina toy ny hoe mihazona sy manohana azy. DH: "no miaro ahy"
Ny fanasaziana dia lazaina toy ny hoe fandoavana. DH: "Izy hanao ny ratsy amin'ireo fahavaloko amin'izay nataon'izy ireo tamiko" na "Izy hanao ny ratsy izay nataon'ireo fahavaloko tamiko hitranga amin'izy ireo"
Eto Davida manova ny firesahany momba an'Andriamanitra ho miresaka amin'Andriamanitra. DH: "Andriamanitra o, poteho izy ireo satria mahatoky Ianao amiko"
Ny anarana'Andriamanitra dia maneho Azy. DH: "fisaorana no atolotro ho Anao, ry Yaveh, fa tsara Ianao"
Ny maso dia maneho ilay olona. DH: "nahita aho"
Ireo mety ho heviny dia 1) mahita fa efa lavo ireo fahavalony. DH: "efa nahita aho fa lavo ireo fahavaloko" na 2) mandresy ireo fahavalony. DH: "efa nadresy ireo fahavaloko aho"
Ho an'ny mpiventy hira; ampiarahina amin'ny valiha. Maskilan'i Davida. 1 Manongilàna sofina amin'ny fivavaka, Andriamanitra o; ary aza manafin-tena amin'ny fitarainako. 2 Henoy aho ka valio; tsy manm-pitsaharana aho amin'ireo olako 3 noho ny feon'ireo fahavaloko, noho ny fampahorian'ny ratsy fanahy; mampitondra fahoriana ahy izy ireo ary manenjika ahy amim-pahatezerana. 4 Mangovitra ato anatiko ny foko, ary nilatsaka tamiko ny horohorom-pahafatesana. 5 Efa tonga amiko ny fahatahorana sy ny fangovitana, ary nandifotra ahy ny horohoro. 6 Hoy aho hoe: "Indrisy, raha mba nanan'elatra tahaka ny voromailala mantsy aho! Dia nanidina aho ary ho amin'ny fitsaharana. 7 Indro, nirenireny lavitra tokoa aho; nijanona any an'efitra. Sela 8 Namonjy fialofana aingana amin'ny tafio-drivotra sy ranon'oram-baratra aho." 9 Levony izy ireny, ry Tompo, ampifangaroy ny fiteniny! Fa efa nahita herisetra sy fifandirana tao an-tanàna aho. 10 Mandehandeha andro aman'alina eo ambonin'ny mandan'izany ireny. 11 Heloka sy sompatra no afovoan'izany. Faharatsiana no eo anivon'izany; ary tsy miala amin'ny tsenany ny fampahoriana sy fitaka. 12 Fa tsy fahavalo no nitenymafy ahy, raha tsy izany dia afaka niharitra ihany aho; ary tsy ilay nankahala ahy no nitsangana hanohitra ahy, raha tsy izany dia afaka nanafina ny tenako taminy ihany aho. 13 Fa ianao indrindra, lehilahy mitovy saranga amiko. namako sy sakaizako akaiky. 14 Nanana fiombonana mamy isika; nandeha tao an-tranon'Andriamanitra niaraka tamin'ny olona isika. 15 Aoka ho tonga amin'izy ireo amin'ny tsy ampoizina ny fahafatesana; aoka hidina velona any amin'ny Fiainan-tsy hita izy ireo, satria faharatsiana no itoeran'izy ireo, na aiza na aiza misy azy ireo. 16 Raha izaho aloha, dia hiantso an'Andriamanitra aho, ary Yaveh hanavotra ahy. 17 Mitaraina sy mitoloko aho amin'ny hariva, ny maraina sy ny mitatao vovonana; dia handre ny feoko Izy. 18 Hamonjy ny fiainako soa amantsara izy amin'ny ady izay nanohitra ahy, fa maro dia maro ireo izay niady tamiko. 19 Andriamanitra, ilay manjaka mandrakizay, anie hihaino ka hampietry azy ireo. Sela Tsy miova mihitsy izy ireo, ary tsy matahotra an'Andriamanitra. 20 Nanandra-tanana hamely ireo izay nihavana taminy ny sakaizako; tsy nanaja ny fanekena izay nananany izy. 21 Nalama tahaka ny dibera ny vavany, kinajo nankahala ny fony; nalefaka tahaka ny diloilo ny teniny, nefa hay sabatra natsatotsatoka ireny. 22 Apetraho amin'i Yaveh ireo enta-mavesatrao, ary dia hanohana anao Izy; tsy hamela ny olo-marina hangozohozo mihitsy Izy. 23 Fa Ianao, Andriamanitra o, no hampidina ny ratsy fanahy any an-davaky ny fahapotehana; ireo mangetaheta rà sy ireo olona mpamitaka dia tsy hiaina akory na dia ny antsasaky ny an'ny hafa aza, fa izaho kosa hatoky Anao.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
"Tokony hitendry zava-maneno misy tadiny ny olona amin'ity hira ity"
Mety ho manondro fomba fitendry ny mozika izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 32:1
Ny manongilan-tsofina dia maneho fiahainoina. DH: "Henoy ny fivavako"
Ny fandavana hijery ny fitarainany dia lazaina toy ny hoe izy miafina izany. DH: "aza mandingana ny fitarainako"
Eto ny "feo" dia maneho izay lazain'izy ireo. DH: "noho izay lazain'ireo fahavaloko"
Ny mampahory dia lazaina toy ny hoe mampitondra fahoriana. DH: "mahatonga fahoriana lehibe amiko izy ireo" na "manao zava-dratsy amiko izy ireo mba hijaliako"
Eto, ny "fo mangovitra" dia manondro ny fanaintainany sy fijaliany ara-pihetseham-po. ity fijaliana ity dia noho ny tahotra. DH: "Mijaly aho satria matahotra loatra"
Ny lasa matahotra loatra, na mihorohoro, dia lazaina toy ny hoe ny horohoro no zavatra milatsaka amina olona iray. DH: "matahotra loatra aho ka dia ho faty" (UDB) na "mihorohoro aho ka dia ho faty"
Ny lasa matahotra loatra sy mihorohoro dia lazaina toy ny hoe ny fahatahorana sy fangovitana dia zavatra tonga amina olona iray. DH: "Efa tonga matahotra loatra aho ka mangovitra"
Ny fahatsapana horohoro dia lazaina toy ny hoe ny horohoro no zavatra afaka manafotra olona. DH: "mahatsapa horohoro mahatsiravina aho" na "faran'izay matahotra aho"
Ity fehezanteny milaza fihetseham-po ity dia maneho zavatra irian'ny mpanoratra fatratra. DH: "Naniry fatratra aho ny mba hananako elatra tahaka ny voromailala"
"raha mba nanana elatra aho, dia nanidina"
"Tokoa"
Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany.
Ny mpanoratra mamarana ny miteny momba izay nolazainy.
rivotra maherivaika
Ny famotehana zavatra dia lazaina toy ny hoe mihinana izany rehetra. ireo mety ho heviny dia "Poteho ireo fikasan'ireo fahavaloko" na "Poteho ireo fahavaloko"
Ny "fiteny" eto dia maneho izay ifampiresahan'ny olona, ary mety ho manondro azy ireo manokana miresaka momba ny fikasana hanao ratsy. Ny fampifangaroana izany dia maneho fanaovana ny olona ho tsy mifankahazo resaka. DH: "verezo hevitra izy ireo rehefa mifampiresaka" na "ampifangaroy ny drafitr'izy ireo"
"herisetra sy fifandirana no mandehandeha ambonin'ireo mandany." (Jereo 55:8 Ny herisetra sy fifandirana dia lazaina toy ny hoe olombelona. Izany dia azo ambara amin'ny filazana momba ny olona izay mahatonga herisetra sy fifandirana. DH: "mandehandeha ambonin'ny mandan'ny tanàna ny olona, izay maherisetra sy tia ady"
"manaraka ny tampon'ny mandan'ny tanàna." Ireo tanàna dia nanana manda natevina nanodidina azy mba hiarovana azy ireny tamin'ny fahavalo. Azon'ny olona natao ny nandehandeha manaraka ny tampon'ny manda mba hizahana raha misy fahavalo tonga amin'ny tanàna.
Heloka sy sompatra dia lazaina toy ny hoe olombelona. Izany dia azo ambara amin'ny filazana momba ny olona izay manao heloka sy sompatra. DH: "ny olona izay manao heloka sy mahatonga sompatra no eo afovoan'ny tanàna" na "olona manao zava-meloka sy mahatonga fahoriana no ao aminy"
"fahoriana"
Ny faharatsiana dia lazaina toy ny hoe olona iray. Izany dia azo ambara amin'ny filazana momba ny olona izay manao zava-dratsy. DH: "Olona mpanao zava-dratsy no eo anivon'ny tanàna" na "mamotika zavatra ao amin'ny tanàna ny olona"
Ny fampahoriana sy fitaka dia lazaina toy ny hoe olombelona. Izany dia azo ambara amin'ny filazana momba ireo olona izay mampahory sy mamitaka ny hafa. DH: "Olona mampahory sy mamitaka ny hafa no eny an-dalamben'ny tanàna, ary tsy miala mihitsy izy ireo" na "Mampahory sy mamitaka ny hafa eny an-dalamben'ny tanàna mandrakariva ny olona"
Izany dia mety ho manondro ny tsena ao an-tanàna.
Ny fandeferana na fiharetana fitenenana mafy dia lazaina toy ny hoe mitondra na milanja izany. DH: "mba afaka nandefitra ny teny mafy aho" na "tsy mba ho nalahelo mafy ny amin'ny fitenenana mafy aho"
Ny mirehareha amin'ny tena ka manamavo ny hafa dia lazaina toy ny hoe mitsangana hanohitra ny hafa. DH: "nanamavo ahy" na "nanao tsinontsinona ahy"
Ny mpanao salamo miteny tahaka ny hoe mihaino azy ilay olona niteny mafy sy niteny ratsy azy.
Azo ambara amin'ny alalan'ny fehezanteny izany. DH: "Ianao no namako sy sakaizako indrindra."
Ny teny hoe "isika" dia manondro ny mpanao salamo sy ny sakaizany.
Ireo mety ho heviny dia 1) "miaraka" na 2) "miaraka amin'ny olona rehetra"
Ny fahafatesana dia lazaina toy ny hoe olona iray izay afaka mamely vahoaka. DH: "Aoka ireo fahavaloko ho faty tampoka"
Ny andalam-pahafatesana tampoka dia lazaina toy ny hoe olona mankany amin'ny Fiainan-tsy hita malaky mialohan'ny hahafaty azy ireo. DH: "aoka izy ireo handeha tampoka any amin'ny Fiainan-tsy hita"
Ny faharatsiana dia lazaina toy ny hoe zavatra izay mety ho any amina toerana iray. Ny faharatsiana mahazatra ireo fahavalony dia lazaina toy ny hoe niaraka tamin'izy ireo na nanakaiky azy ireo. DH: "manao zava-dratsy mandrakariva izy ireo eny amin'izay itoerany"
Ity andianteny ity dia manatevina ny hevitra amin'ny faharatsiana izay akaiky dia akaiky azy ireo. Eto ny faharatsiana dia lazaina toy ny hoe tsy ao amin'ny fonenan'izy ireo ihany fotsiny, fa na aiza na aiza misy azy ireo mihitsy. DH: "Manao zava-dratsy hatrany izy ireo na aiza na aiza misy azy ireo"
Ity andianteny ity mampiseho fa tsy nijanona niresaka momba ny zavatra iray ny mpanoratra ary efa hiresaka ny momba azy amin'izy. DH: "Fa izaho kosa"
"mitaraina mafy"
Eto ny "feo" manambara naEto ny 1)ny mpanao salamo na 2) ireo fitarainana sy tolokon'ny mpanao salamo. DH: "handre ahy Izy" na "handre ny tolokoko Izy"
Eto ny "fiainako" dia maneho ny mpanao salamo. DH: "aho"
"fa maro dia maro ireo olona niady tamiko"
"hihaino ireo fahavaloko" na "hihaino izay lazain'ireo fahavaloko." Misy amin'ireo dika-teny manao hoe "hihaino ahy."
Ny fomba hampietren'Andriamanitra azy ireo dia azo ambara mazava tsara. DH: "hampietry sy handavo azy ireo"
Ny fanandratan-tanana hamely olona dia maneho famelezana azy ireo. Mety ho sarinteny ilazana zavatra izay mampidi-doza olona izany na mahatonga loza ho azay ireo. DH: "namely izay" na "namadika izay"
Ny vavan'olona iray dia maneho izay lazainy. DH: "izay lazain'ny sakaizako"
Ny lahateny izay mahafinaritra na tsara ny mihaino azy dia lazaina toy ny hoe malama sy mora atelina. DH: "Mahafinaritra tahaka ny dibera malama izay lazainy" na "Milaza zavatra tsara izy"
"tezitra"
Ny tenin'olona iray dia maneho izay lazainy. DH: "izay lazainy"
Manosotra diloilo amin'ny hodiny ny olona mba hampalefaka izany, ary manisy amin'ny ratra izy ireo mba hanampy azy ireo ho sitrana. Ny lahateny izay malemy fanahy na manampy dia lazaina toy ny hoe malefaka na mampitony. DH: "nalefaka sy nampitony tahaka ny diloilo izay lazainy" na "milaza zavatra malefaka izy"
Ny lahateny izay mahatonga fahoriana ny olona dia lazaina toy ny hoe sabatra izay mandratra olona. DH: "mandratra olona tahaka ny ataon'ny sabatra izay lazainy" na "nahatonga fahoriana ho an'ny olona izay lazainy"
Ny teny hoe "natsatotsatoka" eto dia midika fa tsoahana amin'ny fitoerany ny sabatra ary vonona hampiasaina.
Eto ny mpanao salamo dia miteny amin'ny olo-masina hafa.
Eto ny fahoriana dia lazaina toy ny hoe ente-mavesatra izay tsy maintsy entin'ny olona. Ny fatokiana an'Andriamanitra hanampy antsika amin'ny fahoriantsika dia lazaina ho mametraka ny enta-mavesatsika aminy mba hilanjany ireo ho antsika. DH: "Atolory an'i Yaveh ireo oloanao" na "Matokia an'Andriamanitra hanampy anao amin'ireo olonao rehetra tahaka ny olona izay mitoky olona matanjaka hilanja ny entany"
Ny fiahiana olona iray na manampy olona amin'ny fotoana mana'olona izy dia lazaina toy ny hoe manohana azy. DH: "hiahy anao Izy" na "hanampy anao Izy"
Ny olona iray izay tandindonin-doza dia lazaina toy ny hoe mangozohozo na mitsingalamboangindina ary efea mby ho lavo. DH: "tsy hamela ny olo-marina hivembena sy ho lavo Izy" na "tsy hamela ny olo-marina ho potehina Izy"
Miresaka amin'Andriamanitra ny mpanoratra izao.
Izany dia mety ho manondro ny fasana na helo.
Izany dia maneho ny olona ho tonga amin'ny fahafatesana. DH: "hahatonga ny ratsy fanahy ho faty" na "hahatonga ny olona ho faty sy handeha any amin'ny fitoeran'ny maty"
"ny olona izay mandainga sy te hamono ny hafa" na "mpamono olona mpamitaka"
"na dia ny antsasany aza raha mbola miaina koa ny olona hafa"
Ho an'ny mpiventy hira; atao Jonatelema-rehokima. Salamo nataon'i Davida. Miktama; tamin'ny nisamboran'ireo Filistinaazy tany Gata. 1 Mamindrà fo amiko, Andriamanitra o, fa manafika ahy ireo lehilahy! Ireo miady amiko manery mafy ny fanafihany amin'ny andro lava rehetra. 2 Manitsaka ahy andro lava rehetra ireo fahavaloko; fa maro ireo miady amiko amim-pireharehana. 3 Raha matahotra aho, dia hapetrako aminao ny tokiko. 4 Amin'Andriamanitra, no iderako ny teniny— amin'Andriamanitra no efa nametrahako ny tokiko; tsy hatahotra aho; inona no azon'izay nofo fotsiny atao amiko? 5 Mandika vilana ny teniko andro lava izy ireo; manohitra ahy amin'ny fisainan-dratsy rehetra izy ireo. 6 Mikambana izy ireo, miery izy ireo, ka mitsongo dia ahy, satria mikendry ny aiko. 7 Aza avela handositra amin'ny fanaovan-dratsy izy ireny. Reseo amin'ny hatezeranao ireo olona, Andriamanitra o. 8 Manisa ny firenireniko Ianao ary mamnao ny ranomasoko ao an-tavoahanginao; moa tsy voasoratra ao amin'ny bokinao ve ireny? 9 Ary dia hiverina ireo fahavaloko amin'ny andro izay iantsoako Anao; fantatro izany, fa hiady ho ahy Andriamanitra. 10 Amin'Andriamanitra—no iderako ny teniny, amin'i Yaveh— no iderako ny teniny, 11 amin'Andriamanitra no itokiko, dia tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko? 12 Ato amiko ny adidy hanatanterahana ireo voadiko aminao, Andriamanitra o; hanolotra fanati-pisaorana ho anao aho. 13 Fa efa namonjy ny fiainako tamin'ny fahafatesana Ianao; nihazona ny tongotro tamin'ny fianjerana Ianao, mba hahafahako mandeha eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona.
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ity dia mety ho milaza izay karazana mozika na feon-kira ampiasaina rehefa mihiry ity salamo ity. DH: "Hirao amin'ny fampiasana ny feo 'Al-Jonath-elem-rehokim' ity salamo ity" na "Hirao amin'ny fampiasana ny endrika Al-Jonath-elem-rehokim ity"
Izany dia midika "Domoina any amin'ny Hazo Terebinta Lavitra." Na manoratra ny dikany ny mpandika teny na mandika ireo teny Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny dikan'ny teny hoe "miktama" dia tsy voafaritra mazava. Azonao ampiasaina ho solony ny teny "salamo." Azo soratana izany hoe: "Salamo nosoratan'i Davida." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 16:1.
"tamin'ny nisamboran'ireo Filisitina azy tany Gata"
"manatona akaiky dia akaiky mba hamelezana ahy"
Ny fahasiahan'ny fanafihan'ireo fahavalo dia lazaina toy ny hoe izy ireo manorotoro ny vatany amin'ny fanitsakitsahana izany. DH: "Mamely mafy dia mafy ahy ireo fahavaloko"
Ny teny hoe "Ianao" dia manondro an'Andriamanitra.
Eto ny fanontaniana ampiasaina mba hampisehoana fa tsy matahotra olombelona ny mpanao salamo, satria tsy tena hanao ratsy aminy izany izy ireo. Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo adika ho fanambarana. DH: "tsy afa-manao na inona na inona amiko izay nofo fotsiny!" na "tsy afaka ny hanao ratsy amiko izay nofo fotsiny!"
"olombelona ihany" na "olona." Izany midika fa tsy manan-kery ny olona, fa Andriamanitra no mahefa.
Ny famerenana izay lazain'olona fa kosa manova kely izany mba hidika zavatra hafa mihitsy dia lazaina toy ny hoe mandika vilana ny teniny. DH: "izy ireo milaza fa niteny zavatra izay tsy noteneniko aho" na "manambara izy ireo fa niteny zavatra aho, nefa mandainga izy ireo"
"manana eritreri-dratsy amiko mandrakariva izy ireo" na "mieritreritra zava-dratsy hatao amiko mandrakariva izy ireo"
Ny fijerena izay aton'olona iray mba hizahana ny fomba hampatonga fahoriana eo aminy dia lazaina toy ny hoe mitsongo ny diany, tahaka ny olona iray te hisambotra olona mizaha izay alehan'io olona io. DH: "mijery izay rehetra ataoko izy ireo"
Ny mikendry hamono olona iray dia lazaina toy ny hoe mikendry ny ainy. DH: "satria mikendry hamonoahy izy ireo"
Izay mety hitsoahan'izy ireo dia azo ambara mazava tsara. DH: "Aza avela handositra ny famaizanao noho ireo helony izy ireo" na "Aza avela handositra izy ireo rehefa hanafay azy ireo amin'ireo zava-dratsy nataony Ianao"
Ny mandavo ireo fahavalo dia lazaina toy ny hoe mampidina azy ireo. DH: "Reseo ireo olo-maro"
Ny fiahian'Andriamanitra ny mpanao salamo dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra nanisa ny mpaao salamo isaky ny malahelo izy ary tsy misy toerana hiononany. DH: "Miahy ny fotoana rehetra izay nirenireneko irery Ianao"
Ny fiahian'Andriamanitra ny mpanao salamo dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra nitaty ireo ranomason'ny mpanao salamo tanaty tavoahangy. Ny ranomaso dia maneho fitomaniana. DH: "ary Ianao mahala ny haben'ny nitomaniako ary miahy ahy"
Ny fiahian'Andriamanitra ny mpanao salamo dia lazaina toy ny hoe Izy nanoratra ny isan'ireo ranomaso izay noraketiny. Ity fanontaniana ity dia ampiasaina mba hampatsiahy an'Andriamanitra ny fahalehibiazan'ny fiahiany ny mpanao salamo' DH: "efa nosoratanao ao amin'ny bokinao ny momba ireny" na "tsaroanao ireo tomaniko"
"hihemotra" na "hitodika sy handositra"
Izany midika fa Andriamanitra miandany aminy. Andriamanitra eto dia miady amin'ireo fahavalon'ny mpanao salamo mba hiarovana azy. DH: "Andriamanitra miady ho ahy"
Eto ny fanontaniana dia ampiasaina mba hanehoana fa tsy matahotra olona ny mpanao salamo, satria tsy afa-manao ratsy mahatsiravina aminy izy ireo. Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo ambara ho fanambarana. DH: "Tsy afa-manao na inona na inona amiko ny olona!" na "tsy afaka hanao ratsy ahy ny olona!"
Ny voatery hanao zavatra iray dia lazaina toy ny hoe ao amin'ny olona iray ny adidy hanao zavatra. DH: "Tsy maintsy manatanteraka ireo voadiko aminao aho" na "Tsy maintsy manao izay nampanantenaiko Anao fa hataoko aho"
Ny tongotra eto dia manondro ilay olona. Ny fianjerana dia mety ho maneho hoe voavonon'ireo fahavalony. DH: "nihazona ahy tsy hianjera Ianao" na "nihazona ahy tsy ho voavonon'ireo fahavaloko aho"
Ny miaina sy hitan'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe mandeha eo anatrehan'Andriamanitra. DH: "mba hahafahako miaina eo amin'ny fanatrehanao"
Eto ny "fahazavan'ny velona" dia mety ho maneho an'Andriamanitra mamela ny olona hiaina. DH: "amin'ny fiainana izay omenao" na "satria Ianao mamela ahy hiaina"
Ho an'ny mpiventy hira; atao Al-Tashheth. Salamo nataon'i davida. Miktama; raha nandositra an'i Saoly izy, tao anaty zohy. 1 Mamindrà fo amiko, Andriamanitra o, mamindrà fo amiko, fa hialoka aminao ambara-pahatapitr'izao fahoriana izao. Mitoetra eo ambany elatrao ho aro aho mandra-pitsahatr'izao faharavana izao. 2 Hihiaka mafy an'Andriamanitra Avo Indrindra aho, ho an'Andriamanitra, izay manao ny zavatra rehetra ho ahy. 3 Handefa fanampiana avy any an-danitra Izy ary hamonjy ahy, tezitra amin'ireo izay mamely ahy Izy. Sela. Andriamanitra handefa ny hatsaram-panahiny sy ny fahatokisany amiko. 4 Eo amin'ireo liona ny aiko; eo amin'ireo izay vonona handrapaka ahy aho. Eo amin'ireo olona izay manana nify toy lefona sy tsipìka aho, ary izay manana lelan-tsabatra maranitra aho. 5 Misandràta, ry Andriamanitra, ambonin'ny lanitra; aoka ho eo ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao. 6 Namelatra harato ho an'ny tongotro izy ireo; ory aho. Nihady lavaka teo anoloako izy ireo. Ary ny tenan'izy ireo ihany no nianjera tao afovoan'izany! Fiatoana sy fiderana. 7 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra o, tafatoetra ny foko; hihira aho, eny, hihira fiderana aho. 8 Mifohaza, ry foko nomem-boninahitra; mifohaza, ry valiha sy lokanga; hofohaziko ny mangiran-dratsy. 9 Hanolotra fisaorana ho Anao aho, ry Tompo, eo amin'ireo vahoaka; hihira fiderana ho Anao aho eo amin'ireo firenena. 10 Fa lehibe ny fitiavanao tsy mety levona, manaka-danitra; ary ny fahatokianao manakatra ny rahona. 11 Misandrata, Andriamanitra o, ambonin'ny lanitra; ny fahasoavanao anie ho asandratra manerana ny tany manontolo
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry mba hampiasaina ao anaty fanompoam-pivavahana"
Izany dia mety ho manambara izay karazana mozika na feon-kira ampiasaina hihirana ny salamo. DH: "hirao amin'ny feon-kira 'Al-Tashheth' ity salamo ity" na "hirao amin'ny fampiasana ny endrika Al-Tashheth ity"
Izany midika "Aza Mamotika." Azon'ny mpandika teny sorratana na ilay dikany na ilay teny Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny dikan'ny teny hoe "miktama" dia tsy voafaritra mazava. Azonao ampiasaina ho solony ny teny "salamo." Azo soratana izany hoe: "Salamo nosoratan'i Davida." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 16:1.
Ny tanjon'ity andianteny ity dia azo ambara mazava tsara manaraka ireo andinindininy momba ny zava-misy. DH: "Rehefa niafina an'i Saoly tanaty zohy Davida" na "tamin'ny nanenjehan'i Saoly mpanjaka an'i Davida, ary Davida niery tanaty zohy"
Ireo mety ho hevitry ny fisehon'ny "anao" sy ny "ianao" rehetra dia 1) manondro ny mpanjaka izany na 2) manondro an'Andriamanitra izany.
Ny mpanao salamo miteny an'Andriamanitra toy ny hoe Izy no renim-borona izay miaro ireo zanany amin'ny fampitampifiana azy ireo ao ambany elany. DH: "Matoky Anao aho hiaro ahy"
Ny mpanao salamo miteny ny fanirian'i Saoly hamono azy toy ny hoe Saoly nitady hamotika ny fahavalony. DH: "mandra-pitsahatr izao fahoriana izao" na "mandra-pahatonga ahy tsy ho tandindonin-doza intsony"
Izany dia manazava ny antony hitarainany amin'Andriamanitra. Azo adika ho "satria" izany. DH: "satria Izy manao ny zava-drehetra ho ahy"
Ny fahasiahan'ny fanafihan'ireo fahavalo dia lazaina toy ny hoe izy ireo manorotoro ny vatany amin'ny fanitsakitsahany izany. DH: "izay mamely mafy ahy"
Ny hatsaram-panahy sy fahatokian'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe Izy nandefa ny hatsaram-panahiny sy ny fahatokiany. DH: "Andriamanitra ho tsara fanahy amiko ary matoky"
Ny mpanao salamo miteny ireo fahavalony toy ny hoe liona. DH: "Miaina miaraka amin'ireo fahavalo romotra aho" na "Fahavalo masiaka tahaka ny liona no manodidina ahy"
Ny famptehana dia lazaina toy ny hoe mandevona na mihinana zavatra. Misy amin'ireo dika-teny mahalala ny lahatsoratra Hebreo izay midika hoe "biby masiaka." Ireo kisarisary roa ireo dia miteny ireo fahavalony toy ny hoe biby masiaka. DH: "ireo izay vonona hamotika ahy"
Ny lefona sy zana-tsipìkan'ireo fahavalo dia lazaina toy ny hoe nifin'ny liona. Ny mpanao salamo manohy miteny ireo fahavalony toy ny hoe liona. DH: "ireo olona izay mamono ny hafa amin'ny lefona sy zana-tsipìka tahaka ny liona mamono amin'ny nifiny maranitra"
Satria ireo fiteny roa ireo dia fitaovam-piadiana, raha iray ihany no misy amin'ny fombanao, dia azo ekena ny mampiasa izany ho iray ihany.
Ny lela dia maneho izay lazain'ny olona, ary ireo teny mandozan'ireo fahavalo dia lazaina toy ny hoe sabatra. DH: "izay manana teny mandoza tahaka ny sabatra maranitra" na "izay mahatonga fahoriana mahatsiravina ho ahy amin'izay lazain'izy ireo"
Ny mpanao salamo mangataka an'Andriamanitra hampiseho fa asandratra Izy. Ny asandratra ambonin'ny lanitra maneho ny maha lehibe. DH: "Andriamanitra o, asehoy fa asandratra ambonin'ny lanitra Ianao" na "Andriamanitra o, asehoy fa lehibe Ianao any an-danitra"
Ny mpanao salamo mangataka an'Andriamanitra hampiseho ny voninahiny. DH: "asehoy manerana ny tany rehetra ny voninahitrao"
Ny fikasan'ireo fahavalony hisambotra azy dia lazaina toy ny hoe izy ireo namelatra harato tamin'ny tany hisamborana azy. DH: "Toy ny hoe namelatra harato hamandrihana ahy ireo fahavaloko" na "Nikasa hisambotra ahy tahaka ny olona mamelatra harato hamandrihana biby izy ireo"
Ny fikasan'ireo fahavalony hisambotra azy dia lazaina toy ny hoe izy ireo nandavaka ho azy mba hianjerany ao. DH: "Toy ny hoe nihady lavaka izy ireo mba hianjerako ao" na "Nikasa hisambotra ahy tahak ny olona mihady lavaka amin'ny tany hamandrihana biby izy ireo"
Ny ratsy izay tonga amin'ireo fahavalony rehefa nitady hisambotra azy izy ireo dia lazaina toy ny hoe izy ireo nianjera tao anatin'ny fandrika nataon'izy ireo ho azy. DH: "Ny tenan'izy ireo ihany no nianjera tao anatin'ny lavaka nohadiany ho ahy" na "Nefa ny tenan'izy ireo ihany no voaratran'izay nokasain'izy ireo hatao amiko"
Ny mahatoky tena dia lazaina toy ny hoe fo miorina tsara toy izay mangozohozo na mora ahetsika. Ny andianteny dia averimberina mba hampisehoana fa manana fahatokian-tena tanteraka amin'Andriamanitra izy ary tsy hiova. DH: "Matoky tena tanteraka aminao aho, Andriamanitra o"
Ny hoe iza no hihirany fiderana dia azo ambara mazava tsara. DH: "hihira fiderana ho Anao aho, Andriamanitra o"
Azo ambara mazava tsara fa ny tanjon'ny fifohazana dia ny mihira fiderana an'Andriamanitra. Ny fifohazana dia mety ho sarinteny ho an'ny fanombohana na fivononana hanao zavatra. Ny fo dia maneho ny mpanao salamo. DH: "Mifohaza, ry foko nomem-boninahitra, mba hihira fiderana ho an'Andriamanitra" na "Hanomana ny foko nomem-boninahitra aho hihirana fiderana ho an'Andriamanitra" na "Nomena voninahitra aho mba hifoha sy hihira fiderana ho an'Andriamanitra"
Azo ambara mazava fa ny tanjon'ny fifohazana dia ny hihira fiderana ho an'Andriamanitra. Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe ny valiha sy lokanga dia olona afaka fohazina hihira fiderana an'Andriamanitra. DH: "Mifohaza, ry valiha sy lokanga, ka mihirà fiderana ho an'Andriamanitra" na "Hitendry valiha sy harpa aho rehefa hihira ho an'Andriamanitra"
Ny mangiran-dratsy dia lazaina toy ny hoe velona, ary fifohazana eo mialohan'ny fisehoan'ny mangiran-dratsy dia lazaina toy ny hoe mamoha izany. Ny tanjon'ny fifohazana mialohan'ny mangiran-dratsy dia ny midera an'Andriamanitra. DH: "Hifoha alohan'ny mangiran-dratsy aho" na "hifoha alohan'ny fiposahan'ny masoandro aho"
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy hevitra tanteraka. Ny fahalehibiazan'ny fitiavan'Andriamanitra tsy mety levona sy ny fahalehibiazan'ny fahamarinany dia lazaina toy ny hoe azo refesina avy lavitra.
Ny fahalehibiazan'ny fitiavan'Andriamanitra tsy mety levona sy ny fahalehibiazan'ny fahamarinany dia lazaina toy ny hoe azo refesina avy lavitra. DH: "Lehibe tahaka ny halaviran'ny lanitra amin'ny tany ny fitiavanao tsy mety levona"
Ny teny hoe "lehibe ny" sy "manakatra" dia efa hita tamin'ny andianteny teo aloha. DH: "ary lehibe ny fahatokianao, manakatra ny rahona" na "ary lehibe tahaka ny halaviran'ny tany amin'ny rahona ny fahatokianao"
Ny mpanao salamo mangataka amin'Andriamanitra mba hampiseho fa asandratra Izy. Ny amin'ny maha nasandratra ambonin'ny lanitra maneho ny maha lehibe. DH: "Andriamanitra o, asehoy fa asandratra ambonin'ny lanitra Ianao" na "Andriamanitra o, asehoy fa lehibe Ianao any an-danitra"
Ny mpanao salamo mangataka amin'Andriamanitra mba hampisehoany ny voninahiny. DH: "asehoy manerana ny tany rehetra ny voninahitrao"
Ho an'ny mpiventy hira; atao Al-Tashheth. Salamo nataon'i davida. Miktama. 1 Milaza ny fahamarinana ve ianareo ry mpanapaka? Mitsara amim-pahamarinana ve ianareo, ry olona? 2 Tsia, manao ny faharatsiana ao am-ponareo ianareo; mizara herisetra manerana ny tany amin'ny tananareo ianareo. 3 Mania ny ratsy fanahy na dia fony mbola tao am-bohoka aza; mania izy ireo hatramin'ny vao teraka, amin'ny filazana lainga. 4 Tahaka ny poizin'ny bibilava ny poizin'izy ireo; toy ny vipera marenina izay manakana ny sofiny tsy handre, 5 izay tsy mitandrina ny feon'ny mpilalao ody, na mahay tahaka ny ahoana aza izy ireo. 6 Vakio any am-bavany ny nifin'izy ireo, Andriamanitra o; poteho ny vangin'ireo zanaka liona, Yaveh o. 7 Avelao izy ireo hiempo tahaka ny rano raraka; rehefa mandefa ny zanatsipìkany izy ireo, dia aoka ho tahaka ny tsy misy tendrony. 8 Aoka ho tahaka ny lelosy mitsonika izy ireo ary maty, tahaka ny zaza tsy tongavolan'ny vehivavy iray izay tsy mahita mihitsy ny tara-masoandro. 9 Mialohan'ny hatsapan'ny vilaninao ny hafanana mandoron'ny tsilo, dia ho entiny amin'ny tafio-drivotra ireo, na ny tsilo maitso na ny tsilo mirehitra. 10 Ny olo-marina hifaly rehefa mahita ny famalian'Andriamanitra izy; hanasa ny tongony amin'ny ràn'ny ratsy fanahy izy, 11 mba hilazan'ny olona hoe: "Marina tokoa, fa misy valisoa ho an'ny olo-marina; marina tokoa fa misy Andriamanitra izay mitsara ny tany."
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ity salamo ity dia tonon-kira momba ny olona ratsy fanahy.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Mety ho manondro fomba fitendry ny mozika izany ary ampiasaina hihirana ny salamo. Jereo izay nandikanao izany ao amin;ny 57:1
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida ` ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny dikan'ny teny hoe "miktama" dia tsy voafaritra mazava. Azonao ampiasaina ho solony ny teny "salamo." Azo soratana izany hoe: "Salamo nosoratan'i Davida." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 16:1.
Ny mpanoratra mampiasa ity fanontaniana ity hibedesana ireo mpanapaka satria tsy miteny amim-pahamarinana izy ireo. DH: "Ianareo ry mpanapaka tsy milaza izay marina!"
Ny teny hoe "ianareo" sy "anareo" dia manondro ireo lehilahy izay mpitsara. Ny "ianareo" eto dia betsaka.
Ny mpanoratra mampiasa ity fanontaniana ity hibedesana ireo mpitsara izay tsy mitsara amim-pahamarinana. DH: "Ianareo vahoaka tsy mba mitsara ny olona amim-pahitsiana!"
Ny mpanoratra mamaly ireo fanontaniana roa izay vao avy napetrany.
Ny fo dia manondro ny fisainanan'ny olona na fikasana. DH: "mpanao faharatsiana ao an-tsainareo ianareo" na "mihevitra momba ny fanaovana zava-dratsy ianareo"
Ny fanaovana herisetra amin'ny toerana samihafa manerana ny tany dia lazaina toy ny mizara na manely ny herisetra manerana ny tany, toy ny hoe karazana zavatra ny herisetra. DH: "Ianareo tenanareo mihitsy no manao asan-kerisetra eny amin'ny tany rehetra"
Hevitra tokana ihany izany fa aseho amin'ny fomba roa samihafa.
Ny fanaovana zavatra diso dia lazaina toy ny hoe mandeha eny an-dalana ny olona, ary miala sy mandeha amin'ny lalan-diso. DH: "manao zavatra diso izy ireo"
Ireo zava-dratsy lazain'ny olona dia alazaina toy ny hoe poizina. DH: "Mahatonga fahoriana tahaka ny poizin'ny bibilava mamely olona ny teny ratsin'izy ireo"
Ny olona izay tsy mihaino ny torohevitra na fananarana dia lazaina toy ny hoe izy ireo no bibilava izay tsy mamaly an'ireo mozikan'ny mpanao ody. DH: "mandà ny hihaino tahaka ny vipera marenina manakana ny sofiny izy ireo"
Ny vipera izay tsy mamaly ny mozikan'ny mpanao ody dia lazaina toy ny hoe azo ametrahana zavatra eo amin'ny sofiny mba tsy hahenoany. DH: "vipera izay tsy mihaino"
Karazana bibilava misy poizina
Ny olona izay mitendry na mihira mozika mba hibaikoana bibilava.
Ny zavatra izay manavanana ireo mpanao ody bibilava dia azo ambara mazava tsara. DH: "na dia mahay mibaiko bibilava tahaka ny inona aza ny mpanao ody"
Mitanisa zavatra izay iriany atao amin'ireo olona ratsy fanahy ny mpanoratra.
Ao amin'ireo andianteny roa ireo, ny olona ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe liona, ary ny fanaovana azy ireo ho sty manan-kery hamonoana olona no lazaina toy ny hoe mamaky ny nifin'izy ireo. DH: "Alaony herin'izy ireo hamono olona. Ataovy tsy manan-kery tahaka ny liona tanora izay vaky nify sy lavo"
Ny olona ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe lagilasy na rano. Ny tsy fisiana intsony dia lazaina toy ny hoe mitsonika na maina eo amin'ny tany maina. DH: "Ataovy manjavona tahaka ny rano miraraka izy ireo" na "Ataovy manjavona tahaka ny lagilasy izay mitsonika sy maina eo amin'ny tany izy ireo"
"aoka ny zana-tsipìkany ho tahaka ny tsy misy tendrony"
Ny tsy fisiana intsony dia lazaina toy ny hoe mitsonika sy manjavona. DH: "Aoka ny ratsy fanahy hanjavona tahaka ny sifotra mitsonika sy tsy misy intsony"
ny zaza teraka tsy tongavolan'ny vehivavy iray izay tsy mahita ny tara-masoandro mihitsy - Ny tsy fisiana intsony dia lazaina toy ny hoe zaza izay maty nateraka. DH: "tahaka ny zazakely izay nateraka aloha loatra mba hiaina sy hahita ny tara-masoandro" na "tahaka ny zazakely izay maty nateraka"
Ny ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe sampan-kazo feno tsilo, ary ny famaizan'Andriamanitra tamin'izy ireo dia lazaina toy ny hoe rivotra mitsoka na mipaoka. DH: "Aingana nohon'ny tafio-drivotra mitsoka ny sampan-kazo feno tsilo izay natao ao ambany vilany fandrahoana ary nodorana tamin'ny afo ny hanimban'Andriamanitra ny olona ratsy fanahy"
Miresaka amin'ny vahoaka an'Andriamanitra i Davida.
"sampan-kazo feno tsilo"
Ny teny hoe "-marina" dia ilazana ny olo-marina amin'ny ankapobeny. DH: "Ireo olo-marina hifaly rehefa mahita"
Ny fananana tongotra lena avy amin'ny fandehanana eo ambony rà dia lazaina toy ny hoe manasa tongotra amin'ny rà. DH: "nandena ny tongony tamin'ny ràn'ny ratsy fanahy ny olo-marina" na "handeha eo amin'ny ràn'ny ratsy fanahy ny olo-marina"
Ny hamaroan'ny olona ratsy fanahy maty dia aseho amin'ny fampiasana fanitarana amin'ny olo-marina izay manasa ny tongony amin'ny ràn'ny ratsy fanahy. DH: "koa ho maro ny olona ratsy fanahy ho faty rehefa handeha eo amin'ny ràn'izy ireo ny olo-marina, ohatrany hoe manasa ny tongony ao amin'izany izy ireo"
Ho an'ny mpiventy hira; atao Al-Tashheth. Salamo nataon'i Davida. Miktama; rehefa naniraka i Saoly, ka niambina ny trano mba hamonoana azy. 1 Afaho amin'ireo fahavaloko aho, Andriamanitro o, apetraho amin'ny avo lavitra ireo mitsangana hanohitra ahy aho. 2 Arovy amin'ireo mpanao heloka aho, ary avoty amin'ireo olona lian-drà. 3 Fa, indro, mikotrika hikendrena ny aiko izy ireo. Ireo mpanao ratsy mahery dia mivondrona hanohitra ahy, saingy tsy noho ny heloko na ny fahotako, ry Yaveh. 4 Miomana ny hamono ahy izy ireo na dia tsy manam-pahadisoana aza aho; mifohaza ary vonjeo aho ka jereo. 5 Ianao, ry Yaveh Andriamanitra tompon'ny maro, ilay Andriamanitry ny Israely, mitsangàana ary faizo ireo firenen-drehetra; aza mamindra fo amin'izay mpanao meloka. Sela 6 Miverina izy ireo ny hariva, mivovo tahaka ny alika izy ireo ary mandehandeha eran'ny tanàna. 7 Indro, mandrezatra amin'ny vavany izy ireo; sabatra no eo imolony, fa hoy izy ireo hoe: "Iza no mandre anay?" 8 Fa Ianao, ry Yaveh, dia mihomehy azy ireo; ataonao fihomehezana ny firenen-drehetra. 9 Andriamanitra, heriko o, hihaino Anao aho; tilikamboko avo Ianao. 10 Hihaona amiko ny Andriamanitromiaraka amin'ny fanekeny mahatoky; Andriamanitra no hamela ahy hahita ny faniriako amin'ireo fahavaloko. 11 Aza vonoina izy ireo, ndrao hanadino ny oloko. aelezo amin'ny fahefanao izy ireo ary ataovy lavo izy ireo, ry Tompo ampinganay. 12 Noho ny fahotan'ny vavan'izy ireo sy ny tenin'ny molotr'izy ireo, dia aoka ho samborina izy ireo amin'ny fireharehany, ary amin'ny ozona sy lainga no anehoany. 13 Levony amin'ny fahatezeranao izy ireo, levony izy ireo mba tsy hisy intsony; avelao izy ireo hahafantatra fa Andriamanitra no manjaka amin'i Jakoba sy hatramin'ireo vazan-tany. Sela 14 Miverina izy ireo ny hariva, mivovo toy ny alika mandehandeha eran'ny tanàna. 15 Mirenireny mitady hanina izy ireo ary mierona tahaka ny alika raha tsy voky. 16 Fa hihira momba ny herinao aho, ary hihira momba ny fitiavanao tsy miova aho nony maraina! Fa fiarovana avo ho ahy Ianao ary fialofana amin'ny androm-pahoriako. 17 Ho Anao, ry heriko, no hihirako fiderana; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, ilay Andriamanitry ny famindram-po.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry mba hampiasaina ao anaty fanompoam-pivavahana"
Izany dia mety ho manambara izay karazana mozika na feon-kira ampiasaina hihirana ny salamo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny dikan'ny teny hoe "miktama" dia tsy voafaritra mazava. Azonao ampiasaina ho solony ny teny "salamo." Azo soratana izany hoe: "Salamo nosoratan'i Davida." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 16:1.
"rehefa naniraka ny miaramilany handeha sy hijery ny tranon'i Davida ny amin'ny fotoana mety hamonoana azy i Saoly"
Ny toerana avo dia maneho ny fahazahoana antoka toerana iray izay tsy tafiditry ny fahavalo. DH: apetraho amin'ny toerana azo antoka ... aho"
Ny fitsanganana hiady amin'ny olona iray dia midika fanafihana azy. DH: "tafiho aho"
Ny andian-teny hoe "lian-drà" ahitana ny teny hoe "rà," dia ilazana ny mpamono olona ary ny teny hoe "lian(a)" dia ilazana ny fanariana. DH: "olona maniry ny hamono" na "olona tia mamono olona"
Miafina sy miandry am-pahanginana ny fotoana izay hahafahan'izy ireo manafika azy ireo fahavalon'i Davida.
Ny fandraisana fanapahan-kevitra amin'ny fanaovana zavatra iray sy ny fanombohana hanao izany dia lazaina toy ny hoe mifoha. DH: "manaova zavatra" na "manaova hetsika"
Azo azavaina ny tiany ho hitan'Andriamanitra. DH: "ka jereo izay mahazo ahy" na "jereo ny ataon'izy ireo amiko"
Ny fandraisana fanapahan-kevitra amin'ny fanaovana zavatra iray sy ny fanombohana hanao izany dia lazaina toy ny hoe mitsangana. DH: "manaova zavatra" na "manaova hetsika"
Ny teny hoe "firenena" eto dia ilazana ny olon'ireo firenena izay tsy manome voninahitra an'Andriamanitra. DH: "ny olon'ny firenena rehetra"
Ny andian-teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo olon-dratsy mpadika lalàna.
Ny mpanao Salamo dia milaza ny fandrahonan'ireo fahavalo hanafika ny vahoaka toy ny hoe alika midradradra, mierona, na mivovoa amin'ny olona. DH: "mandrahona hanafika ny vahoaka izy ireo"
Azo azavaina ny antony andendehanan'izy ireo eraky ny tanàna. DH: "mandehandeha eraky ny tanàna mba hamely izay itan'izy ireo''
Eto ny teny hoe "Indro" dia ampiasaina mba hisarihana ny saina amin'ny zavatra iray. DH: "Enoy"
Ny fitenenana zavatra mahatsiravina dia lazaina toy ny hoe mandrezatra. Izany zavatra mahatsiravina izany dia mety faniratsirana na fandrahonana. DH: "miteny zavatra mahatsiravina izy ireo" na "nitabataba teny mahatsiravina izy ireo"
mandrezatra mafy; mamela ny rivotra avy any amin'ny avokavoka ivoaka eo amin'ny vava, miaraka amin'ny feo hafahafa, sady tsy dia fahalalam-pomba loatra.
Ny zava-doza izay ambaran'ny olona ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe sabatra. DH: "Ny zava-doza izay miteraka korontana lazain'izy ireo dia maro tahaka ny sabatra mandravararava olona"
Nampiasaina izany fanontaniana izany mba hanehoana ny finoan'izy ireo fa tsy handre ary hanafay azy ireo Andriamanitra. DH: "Tsy misy olona mandre anay!" na "Tsy mandre anay ny Andriamanitrao"
"mihomehy azy ireo amim-panesoana" na "maneso azy ireo." Mihomehy azy ireo Andriamanitra satria zava-poana sy tsy misy hery izy ireo.
"ihomehezanao ny firenena rehetra" na "fantatrao fa adala ny olon'ny firenena rehetra"
"faneso"
Ny hoe Andriamanitra no herin'ny mpanao salamo dia lazaina toy ny hoe miaro azy Andriamanitra. DH: ''Ianao no heriko" na "Ianao no mpiaro ahy"
Ny tilikambo avo no toerana azon'ny olona hialofana amin'ireo fahavalony. Ny fiarovan'Andriamanitra azy dia lazain'ny mpanao Salamo toy ny hoe hery, sy fialofana azo antoka. DH: "miaro ahy tahaka ny tilikambo avo Ianao"
Ny famonjen'Andriamanitra ny mpanao Salamo dia lazaina toy ny hoe nihaona taminy teo Andiamanitra. DH: "Hanavotra ahy ny Andriamanitro"
Ny anarana hoe "faniriana(-ko)" dia azo avadika ho matoanteny "maniry." DH: "ny iriko hitranga amin'ireo fahavaloko"
"Ataovy izay hampiely azy ireo"
Ny fiarovan'Andriamanitra ny olo-marina dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra no ampinga. DH: "mpiaro Ahy" na "Ilay miaro ahy toy ny ampinga"
Ny vava sy ny molotra dia ilazana zavatra izay lazain'ny vahoaka. DH: "Satria nanota tamin'izay nolazainy izy ireo" na "nohon'ny zavatra feno fahotana izay nolazain'izy ireo"
Azo adika amin'ny fomba hafa izany. DH: "aoka hisambotra azy ireo ny vahoaka nohon'ny fieboebony"
"no itenenan'izy ireo"
Ny fandravana azy ireo tanteraka dia lazaina toy ny hoe mandoro azy ireo na mihinana azy ireo. DH: "Tezera amin'izy ireo ka ravao tanteraka izy ireo mba tsy hisy hiangana"
Jakoba eto dia ilazana an'i Israely. DH: "ao Israely"
"eny hatrany amin'ny toerana lavitra indrindra amin'ny tany." Izany dia manondro ny toerana rehetra eto an-tany. DH: "na aiza na aiza eto ambonin'ny tany"
Ny mpanao Salamo dia milaza ny fandrahonan'ireo fahavalo hanafika ny vahoaka toy ny hoe alika midradradra, mierona, na mivovoa amin'ny olona.DH: "mandrahona ny hanafika anay" na "mandrahona ny hanafika anay toy ny ambodia"
"faly"
Ny fiarovana avo sy ny fialofana dia toerana falehan'ny olona mba hierena amin'ny fahavalo. Milaza ny fiarovan'Andriamanitra azy toy ny hoe hery, fialofana azo antoka ny mpanao Salamo. DH: "niaro ahy tahaka ny fiarovana avo sy fialofana Ianao''
Eto ny teny hoe "andro" dia ilazana ny fotoana rehetra. DH: "amin'ny fotoana rehetra ananako olana"
Ny hoe "Ho Anao, ry heriko" dia azo adika amin'ny fomba hafa. DH: "Ianao ny heriko, ka hihira fiderana ho Anao aho"
Ny hoe Andriamanitra no herin'ny mpanao salamo dia lazaina toy ny hoe miaro azy Andriamanitra. DH: "mpiaro ahy'
Ny fiarovana avo dia toerana falehan'ny olona mba hierena amin'ny fahavalo. Milaza ny fiarovan'Andriamanitra azy toy ny hoe hery, fialofana azo antoka ny mpanao Salamo. Niaro ahy tahaka ny fiarovana avo Ianao"
Azo adika amin'ny fomba hafa izany. DH: "Izy ilay Andriamanitry ny fanekena mahatoky" na "Ianao no Andriamanitry ny fanekena mahatoky"
Ho an'ny mpiventy hira; atao Shushan-Eduth. Miktama nataon'i Davida; ho fampianarana. Fony niady tamin'i Syria Naharaima sy tamin'i Syria Zobah, ary Joaba niverina ka namono Edomita roa arivo sy roa alina tany an-dohasahan-tsira. 1 Andriamanitra o, efa nanary anay Ianao; efa namakivaky ny fiarovanay Ianao; tezitra Ianao; ampodio indray izahay. 2 Efa nampihovitrovitra ny tany Ianao; efa norotehanao izany; sitrano ny triatrany, fa mihozongozona izany. 3 Nampahita zava-tsarotra ireo vahoakanao Ianao; nampisotro anay ny divay mampivembena Ianao. 4 Ho an'ireo manome voninahitra Anao, dia efa nanangananao faneva aharihary hanoherana ireo izay mitondra tsipìka. Sela 5 Mba hahatonga ireo tianao ho voavonjy, vonjeo amin'ny tananao ankavanana izahay ary valio aho. 6 Niteny tamim-pahamasinana Andriamanitra hoe: "Hiravoravo Aho; hizara an'i Sekema Aho ary hamaritra ny lohasahan'i Sokota. 7 Ahy Gileada, ary Ahy Manase; fiarovan-dohako ihany koa i Efraima; Joda no tehim-piandrianako. 8 Tavin-drano fanasako i Moaba; manerana an'i Edoma no hanipazako ny kapako; hihiaka am-pandresena Aho noho i Filistia." 9 Iza no hitondra ahy ao amin'ilay tanana mahery? Iza no hitarika ahy hankany Edoma? 10 Fa Ianao, Andriamanitra o, moa tsy efa nandà anay ve? Ianao tsy nandeha niady niaraka tamin'ny tafikay. 11 Ampio izahay hanohitra ny fahavalonay, fa zava-poana ny fanampian'olombelona. 12 Handresy izahay miaraka amin'ny fanampian'Andriamanitra; hanitsakitsaka ireo fahavalonay izy.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry mba hampiasaina ao anaty fanompoam-pivavahana"
Izany dia mety ho manambara izay karazana mozika na feon-kira ampiasaina hihirana ny salamo. DH: "hirao amin'ny feon-kira 'Shoshan-edoth' ity salamo ity" na "hirao amin'ny fampiasana ny endrika Shoshan-edoth ity"
Izany dia midika hoe "Lilian'ny fampanantenana." Ireo mpadika teny dia mety nanoratra ny dikan'izany na nandika ny teny Hebreo.
Ny dikan'ny teny hoe "miktama" dia tsy voafaritra mazava. Azonao ampiasaina ho solony ny teny "salamo." Azo soratana izany hoe: "Salamo nosoratan'i Davida." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 16:1.
Araman'ireo renirano roa ... ny firenena Arameana an'i Zoba." Toerana avokoa ireo.
Izany dia ilazana an'i Joaba sy ny tafika izay notarihiny.
"Edomita 12.000"
Ny nandavan'Andriamanitra ny vahoaka dia resahina toy ny hoe nanary azy ireo Izy. DH: "Efa nanary anay Ianao"
Ny famelan'Andriamanitra ny fahavalon'Israely handrava aron'izy ireo dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra no nanao izany. DH: "efa namela ireo fahavalonay handravarava ny aronay Ianao"
Mbola manohy ny resany amin'Andriamanitra ilay mpanao salamo.
Lazain'ny mpanao Salamo toy ny hoe horohon-tany ny loza teo amin'ny fireneny.
Resahina toy ny hoe triatra amin'ny tany na rindrina ny fanatanjahana indray ny vahoaka.
fivakisana lehibe eo amin'ny tany na rindrina
Eto ny hoe ''nahita" dia midika hoe "niaina" na "nijaly''
"divay izay mampivembena anay." Ny tsy fahafaha-manoatra dia lazaina toy ny hoe fivembenana, zara raha tafajoro mahitsy.
Ny fitarihan'Andriamanitra ny vahoaka amin'ny ady dia lazaina toy ny hoe mpanjaka na mpibaiko manandratra faneva ho an'ny tafika Andriamanitra. DH: "tahaka ny mpanjaka manandratra faneva" na "mibaiko anay tahaka ny mpanjaka manandratra faneva amin'ny ady"
"saina famantarana amin'ny ady." Izany saina izany dia asandratry ny mpanjaka na ny mpibaiko eo amin'ny tendro iray mba hanehoana fa tokony hiangona ny tafika.
Azo adika amin'ny fomba hafa izany. DH: "mba haharihary amin'ireo izay mitondra tsipìka." Misy koa anefa ny dikan-teny sasany manana ny fomba fandikany izany andian-teny izany.
Ny andian-teny hoe "ireo izay mitondra tsipìka" dia ilazana ireo miaramila fahavalo any an'ady. DH: "mba haharihary rehefa maka ny tafiny ho amin'ny fifanandrinana amin'ireo fahavalonao"
Ny tanan'Andriamanitra ankavanana dia ilazana ny heriny. DH: "amin'ny herinao"
Eto ny famaliana dia ilazana ny valin'ny fangatahany. DH: "valio ny fangatahako" na "valio ny vavako"
Milaza ny fokon'i Efraima toy ny hoe tafiny Andriamanitra. Ny fiarovan-doha dia fitaovana famantarana ho an'ny ady. DH: "Efraima dia tahaka fiarovan-doha nofidiako" na "ny fokon'i Efraima no tafiko"
satroka mafy dia mafy fitondran'ny miaramila mba hiarovany ny lohany tsy haratra
Nisafidy lehilahy avy tao amin'ny fokon'i Joda ho mpanjakan'ny olony Andriamanitra, ary resahiny toy ny hoe tehim-piandrianana izany foko izany. DH: "tahaka ny tehim-piandrianako ny fokon'i Joda" na "avy amin'ny fokon'i Joda no hanjakako amin'ny vahoakako."
Tsy misy dikany amin'Andriamanitra toy ny tavin-drano fidiovana na mpanompo i Moaba. DH: "toy ny jobo fampiasako amin'ny fidiovana i Moaba"
Ny maha Azy an'i Edoma dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe manipy ny kapany eo amin'ny tany izy ho famantarana fa Azy ny izany. Misy koa anefa ny dikan-teny sasany manana ny fomba fandikany izany andian-teny izany. DH: "Alaiko ho fananana ny tany Edoma" na "Manipy ny kapako eo amin'ny tany Edoma Aho mba hanehoako fa Ahy izany"
Napiasain'ny mpanao Salamo izany fanontaniana izany mba hanehoany ny alahelony fa toa nanary azy Andriamanitra. DH: "Nefa Andriamanitra o, tahaka ny hoe efa nanary anay Ianao." na "Andriamanitra o, tahaka ny hoe efa nahafoy anay Ianao."
Ny fanampian'Andriamanitra ny tafik'izy ireo dia dia resahin'ny mpanao Salamo toy ny hoe mandeha hiady amin'izy ireo Andriamanitra. DH: "tsy manampy ny miaramilanay Ianao rehefa mandeha miady izahay"
"tsy misy dikany"
"hahazo fandresena"
Ny fanampian'Andriamanitra ny tafik'izy ireo handresy ireo fahavalony dia resahin'ny mpanao salamo toy ny hoe nanitsakitsaka ireo fahavalon'izy ireo Andriamanitra. DH: "hamela anay hanitsakitsaka ireo fahavalonay Izy" na "hahatonga anay handresy ireo fahavalonay Izy"
1 Ho an'ny mpiventy hira; ampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. 2 Henoy ny tarainako, Andriamanitra o; atreho ny fivavako. 3 Hatrany amin'ny faran'ny tany no hiantsoako Anao rehefa henika ny foko; tariho any amin'ny vatolampy izay avo kokoa noho izaho aho. Fa Ianao no efa fialofana ho ahy, fiarovana mafy amin'ny fahavalo. 4 Avelao aho hitoetra ao amin'ny tabernakelinao mandrakizay! Avelao aho hialoka ambany alok'ireo elatrao. Sela 5 Fa Ianao, Andriamanitra o, no efa nandre ireo voadiko, efa nanome ahy ny lovan'ireo izay manome voninahitra ny Anaranao Ianao. 6 Hampateza ny fiainan'ny mpanjaka Ianao; ho tahaka ny taranaka mifandimby ny taonany. 7 Hitoetra eo anatrehan'Andriamanitra mandrakizay izy. 8 Hihira fiderana ho an'ny Anaranao mandrakizay aho mba hahafahako manatanteraka ireo voadiko isanandro.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ity hira ity dia dia mikasika ny fahatokian'Andriamanitra.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry mba hampiasaina ao anaty fanompoam-pivavahana"
"tokony mitendry valiha ny olona amin'ity hira ity"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Mitovy ny hevtr'ireo fehezanteny roa ireo. DH: "Andriamanitra o, henoy aho ary valio ny fivavako"
"mandresy"
Eto ny mpanoratra dia manao an'Andriamanitra toy ny vatolampy avo azony ihanihana ho fiarovana ho azy.
Ny andian-teny hoe "izay miaro ahy" dia azo atsofoka ao amin'ny dikan-teny. DH: tahaka ny fiarovana mafy izay miaro ahy amin'ny fahavaloko Ianao"
Eto ny mpanoratra dia miresaka fa toy ny "tilikambo mafy" izay miaro azy amin'ny fahavalony Andriamanitra.
Ny fandehanana mialoka amin'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mitoetra ao Aminy. Eto dia misy fanoharana izay milaza fa ny fiarovan'i Yaveh dia tahaka ny akohovavy miaro ny zanany ao ambany elany. DH: "hankany Aminao ilay fiarovana tahaka ny akohokely voaaro ao ambany elatry ny reniny"
Ataon'ny mpanoratra toy ny hoe lova noraisin'izy ireo ny tso-dranon'Andriamanitra. DH: "efa nanome tso-drano''
Eto ny hoe "ny Anaranao" dia nidika hoe Andriamanitra. DH: "izay manome voninahitra Anao" na "izay tena manaja Anao fatratra" (UDB)
Mitovy ny hevitr'ireo fehezanteny roa ireo. Miverina indroa izany mba hisongadina.
"Hampitombo ny andro iainan'ny mpanjaka Ianao" na "Hampateza ny andro iainan'ny mpanjaka Ianao"
Eto ny hoe "taona" dia ilazana ny fe-potoana hiainan'ny mpanjaka. DH: "hiaina mandritra ny fotoana lava izy"
Eto ny hoe "mitoetra eo anatrehan'Andriamanitra" dia midika hoe eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra na miaraka amin'Andriamanitra. DH: "Homba azy mandrakizay Andriamanitra" na "Homba ny mpanjaka mandrakizay Andriamanitra"
Eto ny hoe "anarana" dia misolo tena an'Andriamanitra ihany. DH: "hihira fiderana ho Anao mandrakariva aho" (UDB)
Izany dia ilazana ny fampanantenana ny amin'ny hanolorana sorona isan'andro ho an'Andriamanitra.
Ho an'ny mpiventy hira, araka ny fomban'i Jedotona. Salamo nataon'i Davida. 1 Miandry an'Andriamanitra irery am-pahanginana aho; avy Aminy ny ny famonjeko. 2 Izy irery no vatolampiko sy famonjeko; Izy no fiarovana avo ho ahy; tsy hangozohozo tokoa aho. 3 Mandra-pahoviana, ianareo rehetra, no hanafika olona, mba hahafahanareo mampihozohozo azy tahaka ny manda mirona na fefy mihozongozona? 4 Nihaona taminy irery izy ireo mba hampietry azy amin'ny fitoerany be voninahitra; tia miteny lainga izy ireo; mitsodrano azy amin'ny vavany izy ireo, nefa manozona azy any am-pony. Sela 5 Miandry am-pahanginana an'Andriamanitra irery ihany aho; fa mitoetra any Aminy ny fanantenako. 6 Izy irery ihany no vatolampiko sy famonjena ho ahy; Izy no fiarovako avo; dia tsy hangozohozo aho. 7 Ao amin'Andriamanitra ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampin'ny heriko sy fialofako dia ao amin'Andriamanitra. 8 Matokia Azy amin'ny fotoana rehetra, ianareo vahoaka; haidino eo anoloany ny fonareo; ary ho fialofantsika Andriamanitra. Fiatoana sy fiderana. 9 Tsy misy dikany tokoa ireo olona ambany, ary ireo olona ambony dia lainga; ho maivana eo amin'ireo mizana izy ireo; raha lanjaina miaraka, dia maivana noho ny tsy misy izy ireo. 10 Aza matoky ny fampahoriana na fandrobana; ary manantena harena tsy misy dikany, satria hilanja ny vokany izy ireo; aza manankina ny fonao amin'izy ireo. 11 Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, indroa no nandrenesako izao hoe: an'Andriamanitra ny hery. 12 Anao ihany koa, ry Tompo, no fanekena mahatoky, fa Ianao no mamaly ny olona tsirairay avy amin'izay efa vitany.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ity hira ity dia dia mikasika ny fahatokian'Andriamanitra.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry mba hampiasaina ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ny iray amin'ireo mpitendry hira an'i Davida no nanana anarana mitovy amin'izany. Mety izy ihany no tiana lazaina eto. Jereo ao amin'ny 39:1 ny fomba nandikanao izany.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
"Izy ilay manavotra ahy" na "Izy ilay mamony ahy"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe vatolampy ny fahaizan'Andriamanitra miaro azy. DH: "Izy ilay tokana afaka miaro sy manavotra ahy"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe fiarovana avo ny fahaizan'Andriamanitra miaro azy. DH: "miaro ahy amin'ny tanan'ireo fahavaloko Izy"
Azo adika amin'ny fomba hafa izany. DH: "tsy hisy afaka hanozongozona ahy mihitsy"
"-ireo fahavaloko" na "-ireo fahavaloko rehetra"
Nampiasa fanontaniana fampisainana Davida mba hanehoany ny hakiviany. Fanontaniana tsy mila valiny izany.DH: "Toa tsy hitsahatra ny anafika ahy mihitsy ireo fahavaloko. Tsapako fa marefo tahaka ny rindrina na fefy mitriatra aho eo anatrehanao."
"hanafi(ka) ahy"
"nikasa mba" na "nihevitra ny mba"
Eto amin'ireto andininy ireto, dia izy tenany ihany no lazain'i Davida amin'ny hoe "azy"
Izany dia ilazana ny lahateny na ny resak'izy ireo.
Ilazana ny heritreritr'izy ireo izany.
"satria apetrako ao Aminy ny fanantenako"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe vatolampy sy fiarovana avo Andriamanitra. Ireo fanoharana roa ireo dia mampiseo ny fiantohan'Andriamanitra fiarovana eo amin'ireo fahavalo. Eto ny hoe "famonjena" dia midika fa namonjy ilay mpanoratra Andriamanitra. Jereo ao amin'ny 62:1 ny fomba nandikanao izany.
Azo adika amin'ny fomba hafa izany. DH: "tsy hisy afaka hanozongozona ahy"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe vatolampy miaro amin'ireo fahavalo Andriamanitra. Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe fialofana miantoka fiarovana ihany koa Andriamanitra. DH: "Manome hery sy fiarovana ahy mandrakariva Andriamanitra"
Izany dia ilana ny filazan'Andriamanitra fahatsapana ao anatinao toy ny hoe mandraraka ranon-javatra ianao. DH: "atolory an'Andriamanitra ny ahiahinareo mafy indrindra"
Ny teny hoe "antsika" dia manondro an'i Davida sy ireo vahoaka izay resahiny.
Izany dia ilazana ny karazana sarangan'olona rehetra. Ny hoe "dehaka" sy ny hoe "lainga'' dia mitovy ny heviny. Tsy misy olona afaka mitoky amin'ny olona. DH: "Tsy afaka mametraka ny fitokisanareo amin'ny olona ianareo, na ahoana na ahoana hajan'izy ireo"
Raha miaraka apetrakareo eo ambony mizàna ireo karazan'olona rehetra ireo, dia tsy hisy lanjany izy ireo. Izany dia midika fa tsy manan-danja marina ho anareo izy ireo.
Mitovy hevitr'ireo teny roa ireo. Tsy afaka mitoky amin'ny vola azonareo tamin'ny fakana izany tamin'ny olona hafa ianareo.
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe hazo na hazom-boaloboka mamokatra voa ny mpanankarena. DH: "satria tsy mitondra zava-tso ho anareo ireo
Eto ny hoe "manankina ny fonareo" dia fomba fiteny izay midika hoe mitsiriritra zavatra iray fatratra. DH: "aza mitsiriritra azy ireo"
Izany dia midika fa niteny izany mihoatra ny indray mandeha Andriamanitra.
"Andriamanitra ihany ilay tokana tena manana ny fahefana"
"Izy ilay hany tokana tia antsika tsy mivadika, araka ny efa nampanantenainy" (UDB)
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandoa karama amin'ny asa ny famalian'Andriamanitra.
Salamo nataon'i Davida, fony izy tany an'efitr'i Joda. 1 Ry Andriamanitra, Ianao no Andriamanitro! Mitady Anao fatratra aho, mangetaheta Anao ny fanahiko, ary maniry Anao ny nofoko, eo amin'ny tany maina sy karakaina izay tsy misy rano. 2 Dia efa nijery Anao tao amin'ny olona masina aho mba hahita ny herinao sy ny voninahitrao. 3 Satria tsara noho ny fiainana ny famindram-ponao, dia hidera Anao ny molotro. 4 Ka dia hisaotra Anao aho raha mbola velona koa; hanandratra ny tanako amin'ny Anaranao aho. 5 Izany dia tahaka ny hoeizaho nihinana hanina nisy tsoka sy sabora; amin'ny molotra ravoravo no hiderako Anao, 6 rehefa mieritreritra ny momba Anao eo am-pandriana aho ka misaintsaina Anao nony alina. 7 Fa efa famonjena ahy Ianao, ary amin'ny aloky ny elatrao no iravoravoako. 8 Mifikitra aminao aho; manohana ahy ny tananao ankavanana. 9 Fa ireo izay mitady hanimba ny fiainako dia hidina any amin'ny tapany ambany indrindran'ny tany; 10 hatolotra eo amin'ireo izay mampiasa ny sabatra eny an-tanany izy ireo, ary ho lasa sakafo ho an'ireo amboahaolo izy ireo. 11 Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ny olona rehetra izay mianiana Aminy dia hirehereha Aminy, fa ny vavan'ireo izay milaza lainga dia hikombona.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
"tokoa"
Mitovy ny hevitr'ireo fehezanteny ireo ary niaraka nampiasaina izany mba hanasongadinana ny halehiben'ny fanirian'ny mpanoratra hiaraka amin'Andriamanitra. DH: "maniry ny hiaraka Aminao fatratra ny amiko manontolo"
"migaina,tany maina"
Eto ny hoe "ny molotro" dia ilazana ireo olona manontolo. DH: "hidera Anao aho"
Eto ny hoe "amin'ny Anaranao" dia midika hoe "ho Anao." DH: "hidera Anao aho ary hivavaka Aminao"
Eto dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe tsara kokoa nohon'ny mihinana sakafo matsiro ny fahafantarana an'Andriamanitra sy ny fiderana Azy. DH: "Ho faly kokoa noho ny olona mihinana hanina matavy sy sakafo voafantina aho"
Eto ny hoe "amin'ny molotra ravoravo ... vavako" dia ilazana ireo olona manontolo izay hidera an'Andriamanitra amin-kafaliana. DH: "amin-kafaliana no hiderako Anao"
Mitovy ny hevitr'ireo fehezanteny roa ireo. Naverina indroa izany mba hanasongadinana ny fiheveran'ny mpanoratra an'Andriamanitra.
Lazain'ny mpanoratra toy ny hoe vorona miaro ny zanany ao ambany elany Andriamanitra. DH: "Miravoravo aho satria miaro ahy Ianao"
"Mila Anao aho" na "Miankiana Aminao aho"
Eto dia nampisaina ho famantarana ny hery sy fahefana ny tanana ankavanana. DH: "manohana ahy Ianao" na "manandratra ahy Ianao"
Izany dia midika fa ho faty izy ireo ary hankany amin'ny fitoeran'ny maty. Azo azavaina izany. DH: "ho faty ary hidina any amin'ny fitoeran'ny maty" (UDB) na "ho faty ary handeha hidina any amin'ny fitoeran'ny maty"
Eto ny hoe "ny sabatra" dia ilazana ny fahafatesana any amin'ny ady, ary ny hoe "ireo izay mampiasa ny sabatra" dia ilazana ireo fahavalo izay mamono azy ireo any amin'ny ady. Azo adika amin'ny fomba hafa izany. DH: "hahafaty azy ireo any amin'ny ady Andriamanitra"
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo vatan'ireo izay maty an'ady. DH: "hihinana ny ireo fatin'olona ny amboahaolo"
Ny "amboahaolo" dia karazana amboadia ranjanana. Ny fatim-biby, ny biby fihaza any an'ala, ary ny voankazo no fihinan'izy ireny.
Miresaka momban'ny tenany Davida. Azo adika mazava izany. DH: "Izaho, mpanjakan'Israely," (UDB)
Ny teny hoe "Aminy" dia manondro an'Andriamanitra.
Eto ny hoe "ny vava-" dia ilazana ny olona manontolo. Azo adika amin'ny fomba hafa izany. DH: "fa hampangina ireo mpandainga Andriamanitra: na "fa hampangina ireo izay mandainga Andriamanitra"
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. 1 Henoy ny feoko, ry Andriamanitra, henoy ny fitarainako; arovy amin'ny tahotr'ireo fahavaloko ny aiko. 2 Afeno amin'ny tetika miafin'ireo mpanao ratsy aho, amin'ny tabataban'ireo mpanota. 3 Efa nandranitra ny lelany tahaka ny sabatra izy ireo; efa nanenjana ny zana-tsipìkany izy ireo, ny teny mangidy, 4 mba ahafan'izy ireo mitifitra ny olona izay tsy manan-tsiny avy eny amin'ny toerana miafina; ary tampoka izy ireo no mitifitra azy sady tsy matahotra na inona na inona. 5 Dia nankahery ny tenany tamin'ny teti-dratsy izy ireo; niara-nidinika mangina mba hametraka ireo fandrika izy ireo; hoy izy ireo hoe: "Iza no hahita antsika?" 6 Namorina teti-dratsy izy ireo; "Efa vitanay,": hoy izy ireo, "ilay tetika matipaika." Ny anatin'ny eritreritra ny ny fon'ny olona dia lalina. 7 Nefa hikendry azy ireo Andriamanitra; haratran'ny zana-tsipìkany izy ireo. 8 Ho tafintohina izy ireo, satria ny lelan'izy ireo ihany no nanohitra azy ireo; izay rehetra mahita azy ireo dia hanifikifika ny lohany. 9 Ny olona rehetra dia hatahotra ary hanambara ny asa lehiben'Andriamanitra. Hieritreritra am-pahendrena izay efa nataony izy ireo. 10 Ny marina dia ho faly ny amin'i Yaveh ary hialoka ao aminy; ny mahitsy am-po rehetra dia hireharehana Aminy.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ity Salamo ity dia vavaka fangatahana famonjena.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry mba hampiasaina ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Nanoratra ny salamo i Davida na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
"vonjeo"
Mitovy ny hevitr'ireo andian-teny roa ireo. Ilay andian-teny faharoa dia manome fanazavana misimisy kokoa ny atao hoe "teti-dratsy miafina"
Eto ny teny hoe "afeno ... aho" dia afaka atsofoka ao amin'ny fehezanteny. DH: "afeno amin'ny tabataba- ... aho"
feo mifamaofao na mampientanentana
Toy ny hoe sabatra maranitra ny filazan'ny mpanoratra ny lelan'ireo fahavalony. Eto ny hoe "lela" dia ilazana ny teny mafy izay lazain'ireo fahavalo. DH: "Mandratra ahy tahaka ny sabatra maranitra ny teny mafy izay lazain'izy ireo"
Fanontaniana tsy miandry valiny no nanpiasain'ireo mpanao ratsy satria mihevitra izy ireo fa tsy hisy olona hahita azy ireo. DH: "Tsy hisy olona hahita izay ataontsika" (UDB)
N y hoe "anaty eritreritra" sy ny hoe "fon'ny olona" dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe rano lalina izay tsy vitan'ny olona ny mitrandraka ny ao anatiny.
Ireo andian-teny roa ireo dia samy ilazana heritreritra manginan'ny olona iray.
Mbola miresaka ireo "mpanao ratsy" ao amin'ny 64:1 ny mpanoratra.
Miresaka ny famaizan'Andriamanitra an'ireo mpanao ratsy toy ny hoe mikendry azy ireo amin'ny tsipìka Andriamanitra.
Ny fandravan'Andriamanitra ny tetik'ireo mpanao ratsy dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe manao izay hahatafintohina azy ireo eny amin'ny lalany Izy. DH: "Hahatafintohina azy ireo Andriamanitra" na "Tsy hampahomby ny tetik'izy ireo Andriamanitra"
Eto ny hoe "lela" dia ilazana ireo teny izay lazain'izy ireo. DH: "satria manohitra azy ireo ny teny izay lazain'izy ireo"
"izay efa nataon'Andriamanitra"
Ny fankanesana any amin'i Yaveh mba voaaro dia resahina toy ny hoe mialoka Aminy. DH: "nankany Aminy mba ho voaaro"
Eto ny hoe "mahitsy am-po" dia fomba fiteny izay midika hoe araka an'Andriamaninatra na marina. DH: "hidera Azy ny olona rehetra araka an'Andriamanitra"
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo. 1 Hiran'i Davida. Ho anao, Andriamanitra any Ziona, no andrasan'ny vavakay; hanatanteraka ny voadinay Aminao izahay. 2 Ianao izay mihaino vavaka, ho tonga eo Aminao ny nofo rehetra. 3 Ireo heloka handresy antsika; raha ireo fandikan-dalànantsika, dia hamela ireny Ianao. 4 Sambatra ny olona izay nisafidy hanakaiky Anao mba hahafahany mivelona ao an-kianjanao. Dia ho afa-po ny amin'ny hatsaran'ny tranonao, ny tempolinao masina izahay. 5 Amin'ny fahamarinana no hamalianao anay amin'ny fanaovana ireo zava-mahagaga, ry Andriamanitrin'ny famonjenay; Ianao izay tokin'ny fiafaran'ny tany rehetra sy ny an'ireo izay lavitra ny ranomasina. 6 Fa Ianao no nanamafy orina ireo tendrombohitra, Ianao ilay manao fehin-kibo amin'ny hery. 7 Ianao izay no mampangiana ny fieron'ireo ranomasina, ny fieron'ireo onjany, ary ny tabataban'ireo vahoaka. 8 Ireo izay monina any amin'ny faran'ny tany dia matahotra ny amin'ny porofon'ireo asanao; Ianoa no mampifaly ny atsinanana sy ny andrefana. 9 Tonga hanavotra ny tany Ianao; tondrahanao izany; ary ampitomboinao fatratra; feno rano ny onin'Andriamanitra; mamatsy voa ho an'olombelona Ianao rehefa avy nanomana ny tany. 10 Nanondraka ranon'ireo tany voaasa ao amin'izany Ianao; nametraka ireo sisin'ny tany voaasa Ianao; nanalefaka izany tamin'ny ranon'orana Ianao; mitahy ireo tsimoka eo amin'izy ireo Ianao. 11 Manarona ny taona amin'ny fahatsaranao Ianao; ireo lalana aorian'ny kalesinao dia mitete fahatavizana amin'ny tany. 12 Ireo ahitra ao an'efitra dia mitete ando, ary ireo havoana dia nitafy fifaliana. 13 Rakotra ondry aman'osy ny tany fihinanam-bilona; voarakotra voa ihany koa ireo lohasaha; mihiaka fifaliana ireny, ary mihira.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo
Ity Salamo ity dia hira fiderana.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry mba hampiasaina ao anaty fanompoam-pivavahana"
"Ity Salamo ity dia nosoratan'i Davida"
Izany dia miresaka ny fiderana toy ny hoe olona afaka manao hetsika irery. DH: "Ho Anao irery, ry Andriamanitra any Ziona, no hanoloranay ny fideranay"
Azo adika amin'ny fomba hafa izany. DH: "hanao izay efa nampanantenainay taminao fa hataonay izahay"
Miresaka ny heloka toy ny hoe olona afaka mandresy na mampahory i Davida. DH: "toy ny hoe nandresy anay ny fahotanay"
Ny teny hoe "ireny" dia manondro ireo "helokay"
Ny teny hoe "-nao" eto amin'ity andininy ity dia manondro an'i Yaveh.
Izany akory tsy midika hoe tena mipetraka ao amin'ny tempoly ilay olona fa kosa mankao matetika izy mba hidera an'Andriamanitra. DH: "midera ao an-kianja matetika"
Azo adika amin'ny fomba hafa izany. DH: "ny fahatsaran'ny tranonao, ny tempolinao masina, hahafa-po anay"
Eto ny teny hoe "izahay" dia manondro an'i Davida sy ireo vahoaka izay resahiny.
"ny tranonao, dia ny tempolinao masina izany"
"Satria marina Ianao"
"Ianao ilay"
Mitovy ny hevitr'ireo andian-teny roa ireo. DH: "ny olona rehetra monina manerana ny tany sy manerana ny ranomasina"
Izany dia ilazana ny olona monina manerana ny tany.
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mifehy hetra ny fitafin'Andriamanitra ny heriny. DH: "maneho fa mahery tokoa Ianao"
Mitovy ny hevitr'ireo andian-teny roa ireo ary niara-nampiasaina izany mba hampisy aina ny fihainoan'ireo mpamaky izany. DH: "ny firaondraonana lavarenin'ireo ranomasina"
feo mafy ateraky ny rivotra sy ny onja
Ny teny hoe"mangina" dia azo atsofoka ao antin'ny fehezanteny. DH: "ary mampangiana ny tabataba-"
feo mifamaofao
zavatra iray anehoana fa marina ny zavatra iray
Ny andian-teny hoe "ny atsinanana sy ny andrefana" dia ilazana ny olona monina maneran-tany. DH: "Ianao no mahatonga ny olona na aiza aiza hihiaka am-pifaliana"
Izany dia ilazana ny nofon-tany.
"ataonao tsara tokoa ny tany mba hitsirian'ny zavatra tsara eo aminy"
Izany dia ilazana ny tahirin-drano eny amin'ny habakabaka izay alefan'Andriamanitra mba hanondraka ny tany sy hameno ny rian-drano. DH: "fenoinao rano ny rian-drano" (UDB)
Ny teny hoe "Ianao" dia manondro an'i Yaveh.
"ny nofon-tany voavadika"
Ny nofon-tany voaasa dia tany efa voaravona izay nozarazaraina ho an'ny fambolena voa na fanondrahana ny tany izay efa nambolena voa.
sisiny (sisin'ny tany)
Eto ny hoe "taona" dia nomena aina toy ny olona afaka manao satroka. DH: "Nanome voninahitra ny taona tamin'ny famokarana tsara Ianao"
Ny teny hoe "fahatavizana" dia midika hoe fahavokarana na fahatsarana. Araka ny eto amin'ity andian-teny ity, izany dia maneho fa nataon'Andriamanitra tsara sy mahavokatra ny nofon-tany mba hahazoana vokatra be dia be.
Be dia be ny ando eo amin'ny ahitra ka mitete izany. DH: "Ny ahitra ... feno ando" na "Be dia be ny ando mitete amin'ny amin'ny ahitry ny tany efitra"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe olona mahafinaritra ny hatsaran'ireo havoana, ary ny fifaliana toy ny hoe fitafiana. DH: "tahaka ny vahoaka mitafy fifaliana ireo havoana" na "tahaka vahoaka ravoravo ireo havoana"
Ny tany fihinanam-bilona rakotry ny ondry aman'osy dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mirakotra akanjo fitafy ilay tany fihinanam-bilona
tany midadasika fihinanan'ny biby fiomby vilona.
andiana biby fiompy, toy ny ondry sy osy
Maro dia maro tokoa ireo tany fihinanam-bilona, havoana ary ny lohasaha, ka ohatrany hoe mihiaka sy mihira amim-piravoravoana ireny. DH: "tahaka ny olona mihira am-pifaliana ireny"
Ny teny hoe "ireny" dia manondro ireo tany fihinanam-bilona sy lohasaha.
Ho an'ny mpiventy hira. Hira, salamo. 1 Manaova hiakam-pifaliana ho an'Andriamanitra, ry tany rehetra; 2 mihirà mafy ny voninahitriny Anarany; omeo voninahitra ny fiderany. 3 Lazao Andriamanitra hoe: "Endrey mahatahotra ireo asanao! Amin'ny fahalehibiazan'ny herinao no haneken'ireo fahavalonao Anao. 4 Ny tany rehetra hanompo Anao ary hihira ho Anao; hihira ho an'ny Anaranao izy ireo." Sela 5 Avia ka zahao ireo asan'Andriamanitra; mahatahotra Izy noho ireo asany lehibe amin'ireo zanak'olombelona. 6 Namadika ny ranomasina ho tany maina Izy; namakivaky ny ony an-tongotra izy ireo; tany izahay no niravoravo taminy. 7 Manapaka amin'ny heriny mandrakizay Izy; mandinika ireo firenena ny masony; aoka ireo mpikomy tsy hanandra-tena. Sela 8 Manolora fisaorana ho an'Andriamanitra, ianareo ry olona, aokaho re ny feon'ny fiderana Azy. 9 Izy no miahy antsika amin'ny velona, ary tsy mamela ny tongotsika hisolifatra Izy. 10 Fa Ianao, ry Andriamanitra, efa nitsapa anay tahaka ny fitsapana volafotsy Ianao. 11 Nitondra anay tao anaty harato Ianao; nametraka enta-mavesatra teo am-balahanay Ianao. 12 Efa nanao ny olona hanitsaka ny lohanay Ianao; namakivaky afo sy rano izahay, nefa namoaka anay ho any amin'ny toerana midadasika Ianao. 13 Hiditra ao an-tranonao amin'ny fanatitra dorana aho; hefaiko Aminao ireo voadiko 14 izay nampanantenain'ny molotro sy ny nolazain'ny vavako fony aho mbola tanaty fahoriana. 15 Hanolotra ho Anao fanatitra dorana biby mifahy miaraka amin'ny hanitra ankasitrahana avy amin'ny ondrilahy aho; hanolotra omilahy sy osilahy aho. Sela 16 Manatona ary mihainoa, ianareo rehetra izay matahotra an'Andriamanitra, ary holazaiko izay efa nataony ho an'ny fanahiko. 17 Niantso Azy tamin'ny vavako aho, ary noderaina tamin'ny lelako Izy. 18 Raha nahita ny fahotana tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ahy ny Tompo. 19 Fa mandre marina Andriamanitra; efa nitandrina ny feon'ny fivavako Izy. 20 Isaorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako na ny fanekeny mahatoky tamiko.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ity Salamo ity dia hira fiderana.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry mba hampiasaina ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ny hoe "hiakam-pifaliana ho an'Andriamanitra" dia ilazana ny fihirana sy ny hiakam-piderana ho an'Andriamanitra. DH: "Aoka ny tany rehetra hihira sy hihiaka am-pifaliana ho an'Andriamanitra"
Izany dia ilazana ny olona rehetra monina ambonin'ny tany. DH: "ny olona rehetra ambonin'ny tany"
Mitovy ny hevitr'ireo andian-teny ireo ary niara-nampiasaina izany mba hanasongadinana ny hatsaran'Andriamanitra. DH: "mihirà ny hatsaran'ny anaran'Andriamanitra; mihirà fiderana mahatalanjona mahakasika fahalehibeazan'Andriamanitra"
Eto ny anaran'Andriamanitra dia manondro an'Andriamanitra ihany". DH: "ny voninahiny"
Mahatalanjona sy mahatahotra anay ireo asan'Andriamanitra satria fantatray fa mahery sy masina Izy.
"Satria manana hery lehibe Ianao"
Izany dia ilazana ny olona rehetra monina ambonin'ny tany. DH: "Ny olona rehetra ambonin'ny tany hanompo Anao"
Eto ny hoe "na Anaranao" dia manondro an'Andriamanitra. DH: "hidera sy hanome voninahitra Anao izy ireo"
Ireo teny ireo dia manondro an'Andriamanitra.
"mahatalanjona"
"olombelona"
Eto dia nalaina ohatra ny fiampitana teo amin'ny Ranomasina Mena.
Ny hoe "izy ireo" dia manondro ny olon'Andriamanitra, dia ireo Israelita izany.
Ny teny hoe "izahay" dia manondro ireo Israelita, ny razamben'izy ireo, Davida, ary vahoaka izay noresahany.
Ny andian-teny hoe "ny masony" dia ilazana an'Anandriamanitra ihany. DH: "mahita ... Izy"
"aoka ireo olona mpikomy tsy hanandra-tena" na "aoka ireo olona mpikomy tsy hirehareha"
Mitovy ny hevitr'ireo fehezanteny roa ireo. Naverina indroa izany hevi-teny izany mba hanasongadinana ny maha zava-dehibe ny fiderana an'Andriamanitra"
Eto amin'ity andininy ity ny hoe "-tsika" dia manondro an'i Davida sy ireo olona noresahiny.
toy ny hoe mandrara ny vahoakany tsy hisilifatra rehefa mamakivaky na midina amin'ny havoana no ilazan'ny mpanoratra ny fiarovan'Andriamanitra.
Ny famaizan'Andriamanitra dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nosamborin'Andriamanitra tao anaty harato ny olony.
fandrika fisamborana vorona sy biby
Toy ny hoe nitondra enta-mavesatra tao an-damosiny ny filazan'ny mpanoratra ny fiaretan'ny vahoaka.
Izany ny endriky ny faharesena mahatsiravina any an'ady. DH: "toy ny hoe nandresy anay tany an'ady ireo fahavalonay ary avy eo dia nitondra ireo kalesiny teo amin'ireo fatinay nitsirara"
Nizaha toetra azy ireo tamin'ny loza voajanahary toy ny afo sy tondra-drano Andriamanitra. DH: "nijaly tahaka ny olona ampijalian'ny afo sy tondra-drano izahay"
Toy ny hoe nentina tany amin'ny toerana malalaka azo antoka izy ireo. DH: "toerana malalaka izay azo antoka ho anay"
Eto ny hoe "molotra" na "vava" dia ilazana ireo teny fampanantenana izay noresahina. DH: "izay nampanantenaiko"
"fofon-tsetroka avy amin'ny ondrilahy natao sorona"
Ny teny hoe "fanahy" dia ilazana ny vahoaka manontolo. DH: "hilaza izay efa nataony tamiko aho" (UDB)
Ny teny hoe "vava" dia ilazana ireo olona manontolo izay mitaraina amin'Andriamanitra.
Eto ny hoe "lela" dia ilazana ireo teny sy lahateny. Azo adika amin'ny fomba hafa izany. DH: "nidera Azy tamin'ny lelako aho" na "nidera Azy aho"
"nitia ny fahotana" na "nitana ny heloka"
Eto ny hoe "tsy mba nihaino" dia midika fa tsy namaly ny fivavany Andriamanitra. Azo azavaina izany ao amin'ny dikan-teny. DH: "tsy mba nihaino ny fitarainako taminy Izy" na "tsy mba namaly ny fivavako Izy"
Mitovy ny hevitr'ireo andian-teny roa ireo ary nampiasaina izany mba hanasongadinana fa efa nandre ny fivavany Andriamanitra. DH: "Fa mandre marina ny fivavako Andriamanitra"
Eto ny fivavaky ny mpanoratra dia omena aina mba hanana feo. DH: "ny fivavako"
Azo ampiana teny hafa ny andian-teny. DH: "na nampivily ny famindram-pony tamiko"
1 Ho an'ny mpiventy hira; ampiarahina amin'ny valiha. Salamo, tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo amintsika ka hitahy antsika ary hampamirapiratra ny tavany amintsika Sela 2 mba hahafantarana ny lalanao ety ambonin'ny tany, ny famonjenao eo amin'ny firenen-drehetra. 3 Aoka ny olona hidera Anao, Andriamanitra o; aoka ny olon-drehetra hidera Anao. 4 Endrey ireo firenena ho faly sy hihira fifaliana, fa hitsara ny olon-drehetra amin'ny fahitsiana Ianao ary hanapaka ireo firenena ety ambonin'ny tany. Sela 5 Aokan ny olona hidera Anao, Andriamanitra o; aoka ny olon-drehetra hideran Anao. 6 Ny tany efa namoa ny vokany ary Andriamanitra, Andriamanitray no nitahy anay. 7 Andriamanitra efa nitahy anay, ary ny vazan-tany rehetra manome voninahitra Azy.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
"Tokony hitendry zava-maneno misy tadiny ny olona amin'ity hira ity"
Ny mpanoratra miteny an'i Yaveh miasa tsara amin'izy ireo toy ny hoe namirapiratra tamin'izy ireo ny tavan'i Yaveh. DH: "miasà tsara aminay"
Ny mpanoratra maniry ny rehetra hahalala fa Andriamanitra manana fahefana hanavotra azy ireo. Azo atao mazava izany ao anaty fandikan-teny. DH: "ary dia ho afaka mahalala ny olon'ny firenen-drehetra fa Ianao manana ny fahefana hanavotra azy ireo" (UDB)
Ny fehezanteny faharoa dia manamafy ny hevitry ny voalohany mba hanamafisana ny maha zava-dehibe ny fiderana an'Andriamanitra.
Eto "firenena" dia maneho ny olona izay monina any amin'ireo firenena ety ambonin'ny tany.
"amim-pahamarinana" na "amim-pahitsiana"
Ny fehezanteny faharoa manamafy ny hevitry ny voalohany mba hanamafisana ny maha zava-dehibe ny midera an'Andriamanitra.
Eto ny mpanoratra miteny ny "tany" toy ny hoe voafidy hamatsy ;vokatra ho an'ny olombelona. DH: "Efa nijinja vokatra maro dia maro avy amin'ireo volinay izahay"
Izany dia midika fa tokony hanome voninahitra an'Andriamanitra ny olona rehetra na aiza na aiza noho ireo fitahiany. DH: "Maniry aho mba hahafahan'ny olon-drehetra na aiza na aiza ety ambonin'ny tany hanana fanajana lehibe Azy" (UDB)
Ho an'ny mpiventy hira; salamo nataon'i Davida, tonon-kira. 1 Aoka hitsangana Andriamanitra; aoka ireo fahavalony ho hiely; aoka ihany koa ireo mankahala Azy handositra tsy ho eo anatrehany. 2 Tahaka ny setroka miely, no hampielezana azy ireo; toy ny savoka miempo anaty afo, no aoka hahlevona ny ratsy fanahy eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra. 3 Fa aoka kosa ny olo-marina ho faly; aoka izy ireo hilafy eo anoloan'Andriamanitra; hiravoravo anie izy ireny ka dia ho faly. 4 Mihirà ho an'Andriamanitra! mihirà fiderana ho an'ny anarany! Derao Ilay mandeha mamakivaky ireo tany lemaky ny lohasahan-driaka Jordana! Yaveh no anarany! Mifalia eo anatrehany! 5 Rain'ny kamboty, mpitsara ireo mananontena, ilay Andriamanitra any amin'ny fitoerana masina. 6 Andriamanitra mametraka ny irery ho amin'ny fianakaviana, entiny mivoaka amim-kalokalo ny gadra; fa ny mpikomy monina any amin'ny tany karakaina. 7 Andriamanitra o, raha nivoaka teo anatrehan'ny vahoakanao Ianao, rehefa nandeha namakivaky ny tany efitra Ianao, Sela 8 Dia nihovitra ny tany; ny lanitra ihany koa nitete orana tamin'ny fanatrehan'Andriamanbitra, tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra rehefa tonga tany Sinay Izy, tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, ilay Andriamanitr'Israely. 9 Ianao, Andriamanitra o, no nandefa oram-be; Ianao no nampatanjaka ny lovanao raha reraka izany. 10 Monina ao ny vahoakanao; Ianao, Andriamanitra, nanome ny mahantra tamin'ny fahatsaranao. 11 Ny Tompo no nanome ireo baiko, ary tafika lehibe ireo izay nanambara izany. 12-13 Mandositra ireo mpanjakan'ny tafika, nandositra izy ireo, ary nizara ny fandrobana ireo vehivavy niandry tao an-trano: voromailala voarakotra volafotsy sy elatra volamena mavo. Rehefa nipetraka tamin'ireo valan'ondry ny sasany taminareo ry vahoaka, dia nahoana no manao izany ianareo? 14 Nampiely mpanjaka tany ilay Tsitoha, izany dia tamin'ny nisian'ny oram-panala tany amin'ny tendrombohitra Zalmona. 15 Tendrombohitra mahery no tany havoan'i Basana; tendrombohitra avo no tany havoan'i Basana. 16 Nahoana ianao no mijery am-pitsiriritana, ianao ry tany havoana, ao an-tendrombohitra izay nirian'Andriamanitra ho toeram-ponenany? Honina mandrakizay ao tokoa Yaveh. 17 Roa alina ireo kalesin'Anadriamanitra, an'alina ambonin'ny arivo; eo amin'izy ireo amin'ny fitoerana masina, toy ny tany Sinay ny Tompo. 18 Nihoatra ny avo Ianao; nentinao ireo babo; nandray fanomezana avy tamin'ireo olona Ianao, en fa na avy amin'ireo izay niady taminao aza, mba hitoetra any, Ianao, ry Yaveh Andriamanitra. 19 Isaorana anie ny Tompo, izay mitondra ny entantsika isan'andro isan'andro, ilay Andriamanitra izay famonjena ho antsika. Sela 20 Ny Andriamanitsika dia Andriamanitra manavotra; ny Tompo Yaveh no ilay mahay manavotra antsika amin'ny fahafatesana. 21 Fa Andriamanitra dia hamely amin'ny lohan'ireo fahavalony, amin'ny volon-dohan'ireo izay mandeha amin'ny fandikan-dalàna manohitra Azy. 22 Hoy ny Tompo hoe: "Ho entiko miverina avy any Basana ireo fahavaloko; ho entiko miverina avy any amin'ny lalin'ny ranomasina izy ireo 23 mba hahafahanao mamotika ny fahavalonao, mandroboka ny tongotrao amin'ny rà, sy mba hahafahan'ny lelan'ireo amboanao hanan-jara amin'ireo fahavalonao." 24 Efa nahita ny filaharanao aho, Andriamanitra o, dia ny filaharan'Andriamanitro, mpanjakako, ao amin'ny fitoerana masina. 25 Ireo mpikalo no nandeha mialoha, nanaraka tao aoriana ireo mpitendry valiha, ary tany afovoany no ireo zatovovavy tsy nanambady mpively amponga tapaka. 26 Isaory Andriamanitra ao amin'ny fiangonana, miderà an'i Yaveh, ianareo ry taranak'Israely marina. 27 Misy ny voalohany dia i Benjamina, ilay foko kely indrindra, manaraka ireo mpitarik'i Joda sy ireo mpanaraka azy ireo, ireo mpitarik'i Zebolona sy ireo mpitarik'i Naftaly. 28 Ny Andriamanitrareo, ry Israely, dia efa nandidy ny tanjakao; asehoy anay ny herinao, Andriamanitra o, tahaka ny nampisehoanao izany tamin'ny fotoana efa lasa. 29 Asehoy anay avy ao an-tempoly ao Jerosalema, izay anateran'ireo mpanjaka fanomezana ho Anao, ny herinao. 30 Mihikà amin'ny ady hanohitra ireo bibidia any anaty volotara, hanohitra ireo olona, izany habetsahan'ny ombilahy sy zanak'omby izany. Ahetreo izy ireo ary ampitondrao fanomezana; aparitaho ireo olona izay tia manangana ady. 31 Andriana no ho tonga avy any Egypta; i Etiopia haninjitra maika ny tanany ho any amin'Andriamanitra. 32 Mihirà ho an'Andriamanitra, ianareo fanjakan'ny tany; Sela Mihirà ho an'i Yaveh. 33 Ho Azy izay miakatra amin'ny lanitry ny lanitra, izay nisy hatramin'ny fotoana taloha; indro, Izy manandra-peo amin-kery. 34 Ekeo ho an'Andriamanitra ny hery; an'Israely ny fiandrianany, ary eny an-danitra ny ny heriny. 35 Andriamanitra o, mahatahotra Ianao any amin'ny fitoeranao masina; ilay Andriamanitr'Israely—manome hery sy tanjaka ho an'ny vahoakany Izy. Isaorana anie Andriamanitra.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida ` ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Andriamanitra manomboka miasa dia lazaina toy ny hoe Izy mitsangana. DH: "Aoka Andriamanitra hanomboka hiasa"
Ireo fahavalon'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe setroka izay mora voatsokan'ny rivotra. DH: "Roahy tahaka ny rivotra mitsoka setroka izy ireo"
Ireo fahavalon'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe savoka izay mora miempon'ny afo. DH: "ampanjavony tahaka ny savoka miempo manolana afo izy ireo"
Izany dia manondro ireo olona ratsy fanahy amin'ny ankapobeny.
Ireo dia midika zavatra mitovy ary manamafy ny fatran'ny hafaliana tsapan'izy ireo.
Izany dia manondro an'Andriamanitra. DH: "ho Azy"
Ny fanatrehan'Andriamanitra eo amin'ny vahoaka dia lazaina toy ny hoe Izy mandeha ambony tany amin'ny soavaly na kalesy.
Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra mpangoraka izay miasa tahaka ny ray amin'ny kamboty. DH: "Ilay miasa tahaka ny ray ho an'ny zanaka izay tsy manana ray aman-dreny"
Andriamanitra dia lazaina ho Andriamanitra mpamindrafo izay miaro ny mananontena. DH: "mpiaro ny mananontena"
Andriamanitra dia lazaina fa mametraka ireo olona manirery ao anaty fianakaviana. "Andriamanitra manome fianakaviana ho an'izay tsy manana na iza na iza hiaraha-miaina" (UDB)
Andriamanitra dia lazaina ho Ilay mitarika ireo gadra avy ao amin'ny toeram-pigadrany. DH: "Andriamanitra manafaka ireo gadra ary mahatonga azy ireo hikalokalo amim-pifaliana"
Izany dia manondro ireo olona mpikomy. Ny teny "mpikomy" dia azo ambara ho fihetsika. DH: "ireo izay mikomy aminy" (UDB)
Ny famaizan'Andriamanitra ireo mpikomy dia lazaina toy ny hoe Izy manery azy ireo hiaina any amin'ny tany hay mafana be. DH: "tany tena mafana sy maina tanteraka" (UDB)
Davida manomboka mitantara ny tantaran'Andriamanitra nitarika ny Israelita namakivaky ny tany efitra ka hatrany amin'ny tendrombohitra Sinay.
Ireo andianteny roa ireo dia manondro zava-mitranga tokana.
"nitarika ny vahoakanao Ianao"
Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe miaramila mizotra mankany amin'ny vahoakan'Israely.
"Andriamanitra nahatonga orana"
Ity fomba fiteny ity eto dia manondro ny fisehon'Andriamanitra teo anoloan'ny Israelita. DH: "rehefa niseho tamin'ny Israelita Andriamanitra"
Ny tanin'Israely dia lazaina toy ny hoe olona izay mety ho ketraka, na mety hahazo tanjaka. DH: "Ianao manao ny tany hamoa voa tsara"
Ny tany izay nomen'Andriamanitra ny Israelita dia lazaina toy ny hoe lova izay natolotry ny ray ho an'ireo zanany. DH: "ny tany izay nomenao ho anay Israelita"
Izany dia manondro ny olo-mahantra amin'ny ankapobeny. DH: "ny olo-mahantra"
Davida manohy ny tantaran'ny dian'ny Israelita namakivaky ny efitra. Amin'ity ampahan'ny tantara ity, ny Israelita dia mpandresy amin'ny ady amin'ireo fahavalony.
Ny olona maro an'isa niteny ny hafatr'Andriamanitra tamin'ny hafa. Izy ireny dia lazaina toy ny hoe tafika lehibe. Satria somary mitombambavy ity andianteny ity, dia misy amin'ireo dika-teny mandika izany ho: "ireo vehivavy izay nanambara izany ... tafika."
Ny fampahafantarana ao amin'ny 68:11 dia navaozina indray mba ho mora azo ny heviny.
Ireo mpanjaka dia maneho ireo tafiny manotolo. Azo tsoahina ary fa mandositra izy ireo satria noresen'ny tafik'Israely. DH: "Mpanjaka sy ireo tafiny mandositra anay satria noresena izy ireo"
Ireo zavatra izay nalaina tamin'ny tafika noresena ary nentina nankany am-ponenan'ny tafika naharesy.
Izany midika fa misy amin'ny entana voaroba no tena sarobidy satria voarakotra vy sarobidy.
Ity fanontaniana ity dia ampiasaina hibedesana ny olona izay tsy nandray anjara tamin'ny ady. DH: "Tsy tokony hijanona ireo izay nitampify tao am-balan'ondry; tokony efa lasa any amin'ny ady izy ireo."
Nisy mpanjaka marobe sy miaramila maty tany amin'ny tendrombohitra ka lazain'izy ireo toy ny hoe oram-panala mandrakotra ny tendrombohitra. DH: "nandavo mpanjaka fahavalo sy miaramila marobe tany ka tahaka ny bohabohan'orampanala mandrakotra ny tendrombohitra Zalmona izy ireo"
Eto "mpanjaka" manondro ireo tafiny ihany koa. DH: "nampiely ireo mpanjaka fahavalo sy ireo tafiny"
Izany dia anarana tendrombohitra.
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary miaraka ampiasaina mba hifanamafy hevitra. DH: "tendrombohitra mahery sy avo ny tany havoan'i Basana"
Ity fanontaniana ity dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Tsy tokony hijery am-pitsiriritana ny tendrombohitra izay irian'Andriamanitra ho toeram-ponenany ny tany havoan'i Basana"
Izany dia mety tsy midika ho isa marina, fa kosa mba hanondroana ny fahamaroan'ny isa. DH: "an'aliny maro" (UDB)
Ny "miakatra" dia mikisaka ambony, mandeha mankany amin'ny habakabaka.
"milanja ny enta-mavesatsika isan'andro." Ny fiahian'ny Tompo ny vahoakany dia lazaina toy ny hoe Izy tenany mihitsy no milanja ny fahorian'izy ireo toy ny enta-mavesatra.
Ireo andianteny ireo midika zavatra mitovy. Eto ny "izay famonjena antsika" dia azo adika amin'ny matoanteny "manavotra." DH: "ilay Andriamanitra izay manavotra antsika ... ny Andriamanitsika dia Andriamanitra manavotra antsika"
Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe mpiady izay mamono ireo fahavalony amin'ny famelezana azy ireo eo amin'ny lohany mba hahafaty azy ireo. DH: "hamono ireo fahavalony amin'ny famelezana azy ireo eo amin'ny lohany"
Hita fa toa fomban'ny miaramila ny tsy manapaka ny volony mandritra ny fotoan'ny ady. DH: "ny volon-doha lava" (UDB)
Ny manisy ratsy an'Andriamanitra /dia lazaina toy ny hoe mandeha amin'ny fanafintohinana. DH: "zatra manafintohina Azy"
Ny teny "izy ireo" manondro ireo fahavalon'Andriamanitra
Izany dia fomba fiteny izay manondro ny faritra lavitra indrindra amin'ny tany izay mety tadiavin'ny olona handosirana an'Andriamanitra.
Ny fahapotehan'ireo fahavalon'Israely tanteraka dia lazaina toy ny hoe notorotoroin'ny Israelita tao ambany tongony izy ireo. DH: "handavo tanteraka ireo fahavalonao"
Ny herisetra avy amin'ny fahapotehan'ireo fahavalo dia lazaina ho tena endrika kisarisary, toy ny hoe ny Israelita hijoro ao anaty ràn'ireo fatin'ny fahavalony"
Ny fandatsahan-drà avy amin'ny ady amin'ireo fahavalon'Israely dia lazaina toy ny hoe tena lehibe ka dia holelafin'ny alika amin'ny lelany ny rà mandriaka.
Ny filaharana dia vondron'olona miara-mamindra amin'ny fomba voalamina tahaka ny amin'ny fety.
Olona izay mitendry zava-maneno.
Mety hanampy ny fanovana ny firafitr'ireo andianteny ireo. DH: "Ianareo izay taranaka marin'Israely, miderà an'i Yaveh ary misaora an'Andriamanitra ao amin'ny fiangonana"
"ny vondron'izy ireo." Ny teny "izy ireo" manondro ireo mpitarik'i Joda.
Misy amin'ireo dika-teny mahatakatra ny lahatsoratra Hebreo amin'ny fomba hafa hoe: "Antsoy (na ampiasao) ny tanjakao, Andriamanitra o"
"Ry vahoakan'Israely, ny Andriamanitrareo no efa nandidy"
Ny teny "anay" manondro ny vahoaka izay itenenan'i Davida sy manondro ny tenany.
"Rehefa manatrika ao an-tempoly ao Jerosalema Ianao, dia asehoy anay ny fahefanao"
Ny anarana "fahefana" dia azo ambara ho asa. DH: "Asehoy anay fa mahery Ianao" (UDB)
Manam-pahaizana maro no mino fa ireo bibidia ireo dia sarinteny izay manondro ny vahoakan'i Egypta. Azo faritana mazava tsara izany. DH: "ny vahoakan'i Egypta izay tahaka ny bibidia any anaty volotara"
Ireo vahoakan'ireo firenen-kafa dia lazaina toy ny hoe andiam-biby fiompy marobe. DH: "ireo firenena matanjaka, izay tahaka ny andian'ombilahy"
Mampiely na mahatonga zavatra hiparitaka faingana amina lanana samihafa
Izany dia midika fa ireo andriana ireo dia avy any Egypta mba hanolotra fanatitra ho an'Andriamanitra any Jerosalema. DH: "Ka dia hanatitra fanomezana ho Anao ireo mpitarik'i Egypta" (UDB)
Izany dia manondro ny vahoakan'i Etiopia. DH: "Ny Etiopiana"
Izany dia fihetsika famantarana izay maneho fihobiana an'Andriamanitra. DH: "manandra-tanana hiderana an'Andriamanitra"
Eto ny "fanjakana" manondro ireo olom-pirenen'ny fanjakana. DH: "ianareo ry vahoaka izay olom-pirenen'ny fanjakana manerana ny tany rehetra" (UDB)
Ny teny "Mihira" dia azo apetraka ho fanombohan'ity andininy ity. Eto Andriamanitra dia sooritana toy ny hoe mandeha amin'ny kalesy eny an'habakabaka. DH: "Mihirà ho an'Andriamanitra izay mandeha mamakivaky ny habakabaka amin'ny kalesiny"
Ity fomba fiteny ity midika fa miteny amin-kery Izy. DH: "mihiaka amin-kery Izy" na "miteny mafy dia mafy Izy"
"Ekeo" midika hoe manome sitraka ho an'olona iray. DH: "An'Andriamanitra ny hery"
Ny anarana "hery" dia azo ambara ho fihetsika. DH: "eny amin'ny habakabaka ihany koa Izy dia mampiseho fa mahery" (UDB)
Eto ny mpanoratra dia miresaka mivantana amin'Andriamanitra.
Ireo teny roa ireo dia midika ho ireo zavatra mitovy ireo amin'ny ankapobeny. Manamafy izy ireo ny haben'ny hery omen'Andriamanitra ny vahoakany.
Ho an'ny mpiventy hira; atao Shoshannim. Salamo nataon'i Davida. 1 Vonjeo aho, Andriamanitra o; fa nataon'ny rano tandindonin-doza ny fiainako. 2 Milentika anaty fotaka mandrevo aho, izay tsy misy toerana ijoroana; anaty rano lalina aho, izay ikorianan'ny ranobe. 3 Ketraka amin'ny fitarainako aho; maina ny tendako; ts, maharitra eo am-piandrasana an'Andriamanitro ny masoko. 4 Betsaka kokoa noho ny volo eo an-dohako ireo mankahala ahy amin'ny tsy antony; ireo mananapaka ahy, manao ahy ho fahavalo amin'ny tsy rariny, dia mahery; izay tsy nangalariko akory, dia tsy maintsy averiko. 5 Andriamanitra o, fantatrao ny fahadalako, ary tsy miafina aminao ny heloko. 6 Aoka ireo izay miandry Anao tsy ho menatra noho izaho, ry Tompo YAveh tompon'ny maro; aoka ireo izay mitady Anao tsy ho tonga amin'ny fahafam-baraka noho izaho, ry Andriamanitr'Israely. 7 Noho ny aminao no nitondrako latsa; henatra no manarona ny tavako. 8 Niova ho hafa firenena aho amin'ireo rahalahiko, vahiny ho an'ireo zanaky ny reniko. 9 Fa ny fahazotoan'ny tranonao no nandrapaka ahy, ary ireo latsan'ireo izay niteny mafy ahy no efa nalatsakao tamiko. 10 Rehefa nitomany aho ka tsy nahinankanina, dia naniratsira ahy izy ireo. 11 Rehefa nataoko lamba fisaonana ny fitafiako, dia lasa ambentin-teny tamin'izy ireo aho. 12 Miresaka ny momba ahy ireo izay mipetraka eo amin'ny vavahadin'ny tanàna; ambentin-kiran'ireo mamolava aho. 13 Fa raha izaho aloha, dia ho Anao ny fivavako, ry Yaveh, amin'ny fotoana izay hanekenao; valio amin'ny fahamendreham-pitokian'ny famonjenao. 14 Sintony avy ao amin'ny fotako, ary aza avelanao ho difotra aho; aoka aho ho voaala lavitra ireo izay mankahala ahy ka ho voavonjy avy ao amin'ny rano lalina. 15 Aza avela handifotra ahy ireo tondra-drano, na ny lalina hitelina ahy. Aza avela hanidy ny vavany eto amiko ny lavaka. 16 Valio aho, Yaveh o, fa tsara ny fanekenao mahatoky; satria maro ireo fiantranao tamiko, mitodiha aty amiko. 17 Aza manafin-tava amin'ny mpanomponao, fa anaty fahoriana aho; valio faingana aho. 18 Midìna amiko ka vonjeo aho. Noho ireo fahavaloko, avoty aho. 19 Fantatrao ny fandatsàna ahy, ny henatro, ary ny fahafam-barakako; manoloana Anao avokoa ireo fahavaloko rehetra. 20 Nandratra ny foko ireo latsa; feno fahvesarana aho; mitady olona hiantra aho, saingy mba nisy; nitady mpampahery aho, saingy tsy nahita. 21 Nanome ahy poizina izy ireo ho sakafoko; tamin'ny hetahetako dia vinaingitra no nomen'izy ireo. 22 Aoka ho tonga fandrika ny latabany eo anoloan'izy ireo; rehefa mieritreritra izy ireo fa mitoetra tsy manana ahiahy, aoka izany ho tonga fandrika. 23 Aoka ny mason'izy ireo ho maizina ka tsy hahita; ary ataovy mihozongozona foana ny lamosin'izy ireo. 24 Araraho amin'izy ireo ny fahatezeranao, ary aoka ny firehetan'ny hatezeranao hahatratra azy ireo. 25 Aoka ho foana ny toeran'izy ireo; aza avela hisy onina ao amin'ny lainy. 26 Fa manenjika mafy izay nasianao izy ireo. Mamerimberina ny fanaintainan'ireo izay voaratranao izy ireo. 27 Miampangà azy ireo ho nahavita heloka miampy heloka; aza avela ho tonga amin'ny fandresenao marina izy ireo. 28 Aoka izy ireo ho voafafa ao amin'ny Bokin'ny fiainana ary tsy ho voasoratra miaraka amin'ny olo-marina. 29 Kanefa mahantra sy malahelo aho; ka aoka ny famonjenao, Andriamanitra o, hametraka ahy amin'ny avo. 30 Hidera ny anaran'Andriamanitra amin'ny hira aho ary hanandratra Azy amin'ny fisaorana. 31 Ankasitrahan'i Yaveh tsara kokoa mihoatra ny omby sy ombilahy izy manan-tandroka sy kitro izany. 32 Efa nahita izany ny malemy fanahy ka dia faly; ianao izay mitady an'Andriamanitra, aoka ny fonao ho velona. 33 Fa Yaveh mandre ny ory ary tsy manao tsinontsinona ny gadrany. 34 Aoka ny lanitra sy ny tany hidera Azy, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao aminy. 35 Fa Andriamanitra hanavotra an'i Ziona ary hanangana indray ireo tanàna'i Joda; honina ao ny olona ka hanao izany ho fananana. 36 Ireo taranaky ny mpanompony handova izany; ary ireo izay tia ny Anarany dia honina ao.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ity salamo ity dia vavaka ho an'ny famonjena.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Izany dia mety ho manambara izay karazana mozika. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 45:1
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida ` ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny mpanoratra mamaritra ireo fahoriana amin'ny fiainany toy ny hoe tafalentika anaty tondra-drano izy. DH: "fa toy ny milentika anaty rano aho"
Ny mpanoratra mamaritra ireo fahoriana amin'ny fiainany toy ny hoe milentika anaty fotaka lalina izy. DH: "Fa toy ny milentika anaty fotaka lalina aho ka ho faty"
fotaka matevina
Ny mpanoratra mampiasa fehezanteny mihiba mba hanamafisana ny tsy fahatomombanana sy ny tsy fahazoana antoka amin'ny manjo azy.
Ny mpanoratra mamaritra ireo olany toy ny hoe izy nilentika anaty rano lalina, sy misamboaravoara. DH: "toa anaty rano lalina aho, ary tondra-drano no mikoriana eo amboniko"
reraka loatra
Ity fomba fiteny ity midika fa nitomany mafy loatra ny mpanoratra ka tsy mahita tsara intsony ny masony. DH: "vonton-dranomaso ny masoko" (UDB)
Ity dia fanitarana mba hanehoana ny hamaroan'ireo fahavalo ananan'ny mpanoratra. DH: "Betsaka noho izay voaisako, tahaka ny volo eo an-dohako"
Ity fomba fiteny ity midika "mamono ahy."
Ny anarana "fahadalana" dia azo ambara ho asa. DH: "ireo adalana nataoko"
Azo ambara ho fanambarana mihabo izany. DH: "fantatrao ny heloko rehetra"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary manamafy ny fanirian'ny mpanoratra hanana Andriamanitra miaro ny vahoakany.
Ny fitadiavana an'Andriamanitra dia maneho na 1) fangatahana fanampiana amin'Andriamanitra na 2) fiheverana momba an'Andriamanitra sy fankatoavana Azy. DH: 1) "izay mangata-pamonjena aminao" na 2) "izay manompo sy manakatoa Anao"
"Ho anao"
Ny latsan'ireo fahavalon'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe enta-mavesatra izay tsy maintsy nozakainy. DH: "niharitra ny latsan'ireo fahavaloko aho"
Ny mpanoratra miteny ny henatra tsapany toy ny hoe adalana eo amin'ny tavany izay azon'ny rehetra jerena mazava tsara. DH: "menatra tanteraka aho"
Ny mpanoratra miteny ny tenany toy ny hoe tsy isan'ny ao anaty fianakaviany izy. DH: "Tsy mahalala na manaiky ahy izany intsony ireo rahalahiko"
Ireo andianteny roa ireo midika zavatra mitovy. Averimberina izany mba hanamafisana ny fisarahany amin'ny fianakaviany.
Ny "niova" dia efa azo eto. Ny mpanoratra miteny ny tenany toy ny hoe tsy isan'ny ao anaty fianakaviany intsony. DH: "tsy mahalala na matoky ahy izany intsony ireo rahalahiko"
Ny mpanoratra miteny ny fahazotoany amin'ny tempolin'Andriamanitra toy ny hoe bibidia izay mandevona ny mpanoratra. DH: "ny fahazotoana ananako amin'ny tranonao no mandevona ahy"
Ity fomba fiteny ity midika fa miantraika amin'ny fisainany sy ny asany rehetra ny fahazotoany ho an'ny tempoly. DH: "mibaiko tanteraka izay rehetra heveriko sy ataoko"
Ny mpanoratra miteny ny fandatsan'ireo fahavalon'Andriamanitra toy ny he vatolampy izay anipazan'izy ireo ny mpanoratra. DH: "ireo izay mandatsa dia natsipinao taty amiko ny latsany"
Ny antony nifadian'ny mpanoratra hanina dia mampiseho fa nalahelo momba ny fomba anaovan'ny olona ny tempolin'Andriamanitra izy.
"nandatsa ahy noho ny amin'izany ireo fahavaloko"
Ny fitenana fitafy mora vidy sy rovidrovitra dia mariky ny fisaonana amin'ny heloka.
Ny mpanoratra miteny ny tenany toy ny hoe ilay olona nalahelo na adala anaty ohabolana. DH: "tonga ho ohatra amin'ny olona malahelo lazaina anaty ohabolan'izy ireo aho" na "nihomehy ahy izy ireo" (UDB)
Eto ny "vavahadin'ny tanàna" dia mifandraika amin'ny fitarihana tanàna iray. DH: "Ny olona lehibe indrinndra amin'ny tanàna"
Ny mpanoratra miteny ny tenany toy ny hoe ilay olona izay hirahirain'ny mamo anaty hira maneso. DH: "ny mpimamo ao amin'ny tanàna mihirahira maharikoriko momba ahy" (UDB)
"amin'ny fotoana ankasitrahanao" na "rehefa vonona Ianao"
Ny anarana "fahamendreham-pitokiana" sy "famonjena" dia azo ambara ho asa. DH: "vonjeo aho satria Ianao tia ahy amim-pahatokiana, araka ny nampanantenainao hatao" (UDB)
Ireo andianteny roa ireo midika zavatra mitovy.
Ny mpanoratra miteny ny loza hitranga aminy avy amin'ireo fahavalony toy ny hoe izy nilentika anaty honahona. "Aza avela hilentika anaty fotaka intsony aho" (UDB)
Eto ny "voaala lavitra" dia manondro ny hoe nesorina tamin'ny loza. DH: "esory aho amin'ny" na "avoty aho amin'ny"
Ireo andianteny ireo midika zavatra mitovy.
Ny mpanoratra miteny momba ny loza hanjo azy avy amin'ireo fahavalony tahaka ny hoe izy safotry ny rano lalina.
Ny mpanoratra miteny momba ny loza hanjo azy avy amin'ireo fahavalony toy ny hoe tondra-drano no nandifotra azy tanteraka.
Ny mpanoratra miteny ny lalina ho toy ny bibymahafaty efa mby hihinana azy. DH: "ny rano lalina hitelina ahy tahaka ny biby mandoza"
Eto ny "lavaka" dia lazaina toy ny hoe manam-bava tahaka ny olombelona ary afaka mandrapaka ny mpanoratra. DH: "Aza avela handevona ahy ny lavaka" na "Aza avela hikatona eo amboniko ny lavaky ny fahafatesana"
Ny anarana "famindrampo" dia azo avadika ho asa. DH: "tsara Ianao ary tia ahy amim-pitokiana" (UDB)
"mpiantra loatra Ianao amiko"
Ny tanjona amin'ny fitodihana amin'olona iray midika mba hisarihana ny saina aminy na mamonjy azy. DH: "vonjeo aho" (UDB)
Ny manafin-tava midika hoe mandà ny hihaino na hamonjy olona. DH: "Mba ampio re ny mpanomponao" na "Mba ampio re aho"
"anaty olana lehibe" (UDB)
Ny mpanoratra mangataka amin'Andriamanitra hamonjy azy toy ny hoe andevo ny mpanoratra ka azo vidian'Andriamanitra ny fahafahany. DH: "afaho aho"
Ny mpanoratra mangataka amin'Andriamanitra hanavotra azy toy ny hoe babo ny mpanoratra ka azo vidiam-bola ny fanafahana azy. DH: "avoty aho"
Ireo anarana ireo dia azo avadika ho asa. DH: "ny fomba nandtsanan'ny olona ahy, nampamenatra ahy, ary nanala baraka ahy"
Eto ny "manoloana Anao" midika fa Andriamanitra mahita sy mahafantatra ny rehetra momba azy ireo. DH: "fantatrao avokoa hoe iza ireo fahavaloko" (UDB)
Ity fomba fiteny ity midika fa malahelo loatra ny olona. DH: "nanafintohina ahy tanteraka" (UDB)
Ny alahelo mafin'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe izy feno enta-mavesatra. DH: "vesarin'alahelo aho"
mangoraka na malahelo
Mety ho hevitra ambadika fotsiny izany. Ny sakafo izay nomen'ny olona ho an'ny mpanoratra dia tena ratsy ka tahaka ny poizina ny tsirony. DH: "Nanome ahy hanina izay nanan-tsiro tahaka ny poizina" (UDB)
Ny mpanoratra maniry ny sakafon'ireo fahavalony handringana azy ireo tanteraka toy ny hoe biby madinika kely tratra anaty fandrika. DH: "Handringana azy ireo tahaka ny fandrika anie ny sakafony ... hamotika azy ireo tahaka ny fandrika anie izany"
Izany dia manondro sakafo izay naroso teo ambony latabatra, mety ho amin'ny fanasana. DH: "ny hanin'izy ireo ihany" (UDB) na "fanasana fisoronana"
Ny mpanoratra miteny ny maso izay tsy afa-mahita tsara toy ny hoe nohamaizinina izany. DH: "Mba ataovy tsy afa-mahita na inona na inona re izy ireo"
Ny lamosina osa dia lazaina toy ny hoe mangozohozo amin'ny fahalemena. DH: "ataovy tena osa ny lamosin'izy ireo ka tsy hahavita zavatra"
"ny aorian'izy ireo" na "ny ilany"
Ny fampiharan'Andriamanitra ny hatezerany dia faritana toy ny hoe Izy nandraraka izany tamin'ireo fahavalony tahaka ny rano.
"fahavinirana" na "hatezerana"
"ny hatezeranao mirehitra" na "ny hatezeranao maherivaika"
Ny fitsaran'Andriamanitra amin'ireo fahavalony dia faritana toy ny hoe Izy nihazakazaka nanenjika azy ireo ka nahatratra azy ireo.
Ity anarana ity dia azo avadika ho asa. DH: "tonga lao"
"izy ireo nanenjika mafy ilay lehilahy"
Eto ny maha "nalavo" dia manondro ny famaizana. DH: "nofaizinao" (UDB)
Eto ny "voaratra" dia manondro ny fanaovana azy ireo hijaly. DH: "ireo izay nampijalianao"
"Tohizo ny firaketana ny fahotan'izy ireo rehetra" (UDB)
"fahotana faran'izay maro"
Ny tonga amin'ny fandresen'Andriamanitra dia fomba fiteny izay midika hoe mandray valisoa avy aminy. DH: "aza avela handray ny valisoa marina avy aminao izy ireo"
Eto ny "izy ireo" dia manondro ny anaran'ireo fahavalo. DH: "fafao ny anaran'izy ireo"
"aza soratana ny anaran'izy ireo"
Ny anarana "famonjena" dia azo ambara ho matoanteny "mamonjy." Eto "amin'ny avo" dia manondro toerana azo antoka. DH: "Andriamanitra o, vonjeo aho ary apetraho amin'ny toerana azo antoka"
Eto "anarana" manondro an'Andriamanitra tenany mihitsy. DH: "Andriamanitra"
Ity anarana ity dia azo ambara amin'ny matoanteny "misaotra." DH: "amin'ny fisaorana Azy"
Efa fantatra fa ny omby sy ny ombilahy no tsy maintsy atolotra ho an'Andriamanitra ho sorona. DH: "tsara kokoa mihoatra ny manao sorona omby na manao sorona ombilahy"
Ity andianteny ity dia manavaka ireo ombilahy efa matoy amin'ireo omby hafa. DH: "ombilahy izay efa matoy misy tandroka sy kitro"
Izany dia manondro ny olona malemy fanahy amin'ny ankapobeny. DH: "olona malemy fanahy"
Ny fitadiavana an'Andriamanitra dia maneho na 1) mangataka fanampiana avy amin'Andriamanitra na 2) mihevitra ny momba an'Andriamanitra sy mankatò Azy. DH: "ianao izay mangataka fanampiana amin'Andriamanitra" na "ianao izay mihevitra ny momba an'Andriamanitra"
Eto "fo" dia manondro ny olombelona. Eto "velona" dia fomba fiteny izay midika fa tokony fampaherezana. DH: "ho ampaherezina anie ianao"
Eto "mandre" midika hoe mamaly. DH: "Yaveh mamaly"
Izany dia midika ny olona ory amin'ny ankapobeny. DH: "ny olona ory"
"ireo izay efa nijaly ho Azy" (UDB)
Eto ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina dia lazaina toy ny hoe olombelona izay afaka midera an'Andriamanitra.
Tokony ho efa fantatra ny hoe "Aoka ... hidera Azy." DH: "aoka ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao aminy hidera Azy"
Eto "Ziona" manondro ny vahoaka ao Ziona. DH: "Andriamanitra hanavotra ny vahoakan'i Ziona"
Ny teny "izany" dia manondro ny tanin'ny Joda.
Eto "anarana" manondro an'Andriamanitra tenany mihitsy. DH: "izay tia an'Andriamanitra"
1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida; mba hitondra ho amin'ny fahatsiarovana. 2 Vonjeo aho, Andriamanitra o! Yaveh o, tongava malaky ka avoty aho. Aoka ireo izay mitady hikendry ny aiko ho menatra sy afa-baraka; aoka izy ireny hajanona sy ho tonga amin'ny fahafam-baraka, ireo izay mifaly amin'ny fanaintainako. 3 Aoka izy ireny hajanona noho ny henatr'izy ireny, ireo manao hoe: "Aha, aha." 4 Aoka izay rehetra mitady Anao hifaly sy ho ravoravo ao aminao; aoka ireo izay tia ny famonjenao hiteny mandrakariva hoe: "Hoderaina anie Andriamanitra." 5 Kanefa mahantra sy ory aho; faingàna amiko, Andriamanitra o; Ianao no vonjy ho ahy ary manavotra ahy. Yaveh o, aza ela.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida ` ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
"ity salamo ity dia nosoratana mba hahatonga ny olona hahatsiaro"
"ireo olona izay"
Ity fomba fiteny ity midika hoe "hamono ahy."
"Andriamanitra anie hampamenatra azy ireo ka hitondra fahafam-baraka eo ambonin'izy ireo"
"Andriamanitra anie hampiodinkodina azy ireo ka hampamenatra azy ireo amin'izay nataony"
Ny mijanona na mandamòka dia lazaina toy ny hoe miamboho amin'ny fanafihan'izy ireo. DH: "mijanona"
Izany dia fomba fiteny amin'ny hehy maneso. Azonao soloina amin'izay feo fihomehezana amin'ny fiteninao ny hoe "Aha,aha." DH: "ireo izay maneso sy mihomehy ahy"
Ny fitadiavana an'Andriamanitra dia maneho 1) fangatahana fanampiana amin'Andriamanitra na 2) mihevitra momba an'Andriamanitra sy mankatò Azy. DH: "mangataka fanampiana aminao" na "mihevitra momba Anao sy mankatò Anao"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy ny fahalehibiazan'ny haravoana. DH: "hifaly tanteraka" na "ho tena ravo"
Ny anarana "famonjena" dia azo ambara ho asa. DH: "tia Anao satria namonjy azy ireo Ianao" (UDB)
Izany dia fanitarana mba hanamafisana ny maha zava-dehibe ny fiderana an'Andriamanitra matetika.
Eto ny teny "mahantra" sy "ory" midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy fa tsy afaka mamonjy ny tenany izy. DH: "tena ory aho"
Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra toy ny hoe Izy mihazakazaka mankany amin'ny mpanoratra mba hampnjy azy. DH: "tongava faingana hanampy ahy!" (UDB)
Eto ny andianteny "Ianao no vonjy ho ahy" dia manazava ny hoe Andriamanitra no "vonjy." DH: "Ianao manampy ahy amin'ny famonjena ahy"
1 Ao aminao, ry Yaveh, no hialofako; aza avelanao ho menatra mihitsy aho. 2 Vonjeo aho ary aoka hitoetra tsy manan'ahiahy amin'ny fahamarinanao; atongilano amiko ny sofinao ka avoty aho. 3 Meteza ho vatolampy fialofana ho ahy mba hahafahako mandeha; efa nanome baiko ny hanavotana ahy Ianao, fa Ianao no vatolampy sy batery fiarovana ho ahy. 4 Vonjeo aho, Andriamanitro o, amin'ny tanan'ny ratsy fanahy, amin'ny tanan'ny tsy marina sy lozabe. 5 Fa Ianao no fanantenako, ry Tompo Yaveh. Efa nitoky taminao foana aho hatramin'ny fony aho mbola zaza. 6 Ianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; Ianao no izy izay naka ahy avy tao an-kibon-dreniko; ho aminao hatrany ny derako. 7 Fitaratra ho an'olona maro aho; Ianao no fialofako mafy. 8 Ho feno fiderana Anao ny vavako, ny andro tontolo amin'ny voninahitrao. 9 Aza manary ahyamin'ny fotoan'ny fahanterana; aza mahafoy ahy rehefa ketraka ny heriko. 10 Fa miresaka ny momba ahy ireo fahavaloko; ireo izay misoko ny aiko miara-miteti-dratsy. 11 Hoy izy ireo hoe: "Nahafoy azy Andriamanitra; enjeho izy ary alao, fa tsy misy olona hanavotra azy." 12 Andriamanitra o, aza manalavitra ahy; ry Andriamanitro, faingàna havanotra ahy. 13 Aoka izy ireo ho menatra sy rava, ireo izay feno fankahalana amin'ny fiainako; aoka izy ireny ho rakotra latsa sy fahafam-baraka, ireo izay mitady ny faharatrako. 14 Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva Anao ary hidera Anao hatrany hatrany. 15 Hilaza momban'ny fahamarinanao sy ny famonjenao tontolo andro ny vavako, na dia tsy takatro aza izany. 16 Ho avy aho amin'ireo asa maherin'ny Tompo Yaveh; hanonona ny fahamarinanao aho, ny Anao irery. 17 Andriamanitra o, efa nampianatra ahy Ianao hatramin'ny fahatanorako; hatramin'izao aza dia manambara ireo asanao mahatalanjona aho. 18 Eny tokoa fa na dia antitra sy fotsy volo aza aho, Andriamanitra o, dia aza mahafoy ahy, satria efa nampahafantatra ny herinao tamin'ny taranaka mandimby aho, ny fahefanao tamin'izay rehetra ho avy. 19 Ny fahamarinanao ihany koa, Andriamanitra o, dia tena avo; Ianao izay nanao zava-dehibe, Andriamanitra o, iza no tahaka Anao? 20 Ianao izay nampiseho anay fahoriana mahery vaika maro no hamelona anay sy hampiakatra any avy amin'ny lalin'ny tany indray. 21 Hampitombo ny voninahitrao anie Ianao; mitodiha indray ka herezo aho. 22 Hanolotra fisaorana ho Anao koa aho amin'ny lokanga noho ny fahamendreham-pitokianao, ry Andriamanitro; ho Anao no hihirako fiderana amin'ny lokanga, ry Ilay Masin'Israely. 23 Hihoby ny molotro rehefa mihira fiderana ho Anao aho—na dia ny fanahiko aza, izay efa novonjenao. 24 Hilaza momban'ny fahamarinanao andro lava ny lelako; fa efa nomenarina izy ireo ary very hevitra, ireo izay nitady ny faharatrako
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ity salamo ity dia vavaka fangataham-pamonjena.
Ny fankanesana any amin'i Yaveh hitady fiarovana dia lazaina ho fialofana ao aminy. DH: "mankany aminao, ry Yaveh, mba ho fiarovana"
"aza avela hampamenatra ahy mihitsy ireo fahavaloko" Jereo ny nandikana ny "aza avela ho afa-baraka aho" ao aminn'ny 25:1
Ireo mety ho heviny dia 1) "arovy aho satra Ianao manao ny marina mandrakariva" na 2) "arovy aho fa izaho manao izay tianao hataoko"
Eto "ny sofinao" dia manondro ny fahavononan'Andriamanitra hihaino olona iray izay mivavaka aminy. DH: "henoy aho." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 17:6
Ny mpanao salamo mangataka mba hiarovan'i Yaveh azy tahaka ny hoe izy niery tanaty vatolampy lehibe na harambato izay tsy nahitan'ireo fahavalony azy mihitsy.
Ireo dia havoan na tendrombohitra, fa tsy vatolampy izay azon'ny olona raisina amin'ny tanana.
"efa nandidy ireo anjelinao Ianao"
"arovy aho"
Ny mpanao salamo mino fa Yaveh hiaro azy tahaka azy niafina any amin'ny tampon-tendrombohitra iray na anaty fiarovana mafy vitan'olombelona.
Ireo mety ho heviny dia 1) ny teny "tanana" dia sarinteny ho an'ny fahefana. DH: "amin'ny fahefan'ny ratsy fanahy, amin'ny fahefan'ny tsy marina" na 2) ny "tanana" dia manondro ilay olona tenany mihitsy. DH: "amin'ny olona ratsy fanahy, amin'ny tsy marina ... olona" na "mba tsy hanisy ratsy ahy ny olona ratsy fanahy sy tsy marina ... "
"ratsy fanahy; avoty amin'ny tananan'ny tsy marina aho." Azonao azavaina tsara ny zavatra efa azo.
Ireo mpamaritoetra ireo dia azo adika ho andianteny anarana. DH: "olona ratsy fanahy ... olona tsy marina ... olona lozabe"
Eto ny "fanantenana" dia sarinteny ho an'ny olona izay antenain'ny mpanao salamo. DH: "Ianao no ilay andrasako hanampy ahy amim-pahatokian-tena" (UDB)
"Ianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka" na "Ianao no efa niahy ahy hatramin'izaho nivoaka tao an-kibon'ny reniko"
"Ianao ilay"
"Maro ny olona no mahita ny fomba fiainako ka te hiaina tahaka ny ataoko"
Ny mpanao salamo miteny ny faniriany hidera sy hanome voninahitra an'i Yaveh amin'izay teny lazainy toy ny hoe feno teny tahaka ny feno sakafo ny vavany. DH: "Ho feno teny izay midera Anao ny vavako ... izay manome voninahitra Anao" na " Hidera Anao mandrakarivo aho ... hanome voninahitra Anao mandrakariva aho"
"teny izay milaza amin'ny vahoaka ny fahalehibiazanao"
"teny izay mahatonga ny vahoaka hidera Anao"
"amin'ny andro lava rehetra" na "hatrany hatrany"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra iraisana amin'ny ankapobeny ary miaraka ampiasaina ho fanamafisana.
"Aza manery ahy hanalavitra Anao." Fa Andriamanitra mandà azy dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra manery azy handeha. DH: "aza mandà ahy" (UDB) Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 51:10
"aza mahasaraka ahy mandrakizay"
"mikendry fahafahana hamono ahy"
"milaza ny momba ahy"
"araho izy rehefa mitsoaka, ka vonoy"
"mitoera akaiky ahy"
"avoty haingana aho"
"Aoka ireo izay mankahala ny fiainako ho menatra sy rava"
"ireo izay miampanga ahy amin'ny fanaovan-dratsy" (UDB)
"aoka ireo izay mitady ny fahavoazako ho rakofana latsa sy fahafam-baraka"
"rakofy latsa sy faham-baraka izy ireo." Ny anarana dia azo avadika ho matoanteny. DH: "handatsa azy ireo anie ny olon-drehetra, ary tsy hisy hanome voninahitra azy ireo"
"ireo izay mitady fomba hamelezana ahy"
"isaky ny mihetsika" na "hatrany mihoatra ny teo aloha"
Ny vava dia fibangoan-teny ho an'ilay olona manontolo. DH: "Izaho hilaza" na "Izaho hiteny amin'ny vavako ary hilaza"
"ny maha marina loatra Anao" na "ireo zava-tsoa rehetra ataonao"
"ny fomba nanavotanao ahy" na "ny fomba nanavotanao ny olombelona"
Ireo mety ho heviny dia 1) "Handeha any amin'izay hanompoan'ny olona an'i Yaveh aho" na 2) "Handeha any amin'ireo fahavaloko aho"
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hilaza azy ireo ny asa mahery nataon'ny Tompo Yaveh aho" na 2) "satria nanome ahy hery hanao asa mahery ny Tompo Yaveh."
"hiresaka ny momba"
Azo ambara mazava tsara ny fanazavana mifandraika. "nampianatra ahy zava-maro"
"Andriamanitra o, aza mba mahafoy ahy"
"efa nilaza ny maha mahery Anao aho"
"tamin'ireo izay zanaka ankehitriny"
Ny fanazavana nesorina dia azo ambara mazava tsara. DH: "ary manambara ny fahefanao amin'izay rehetra ho avy"
Izany dia fanohrana. DH: "dia ho maro amin'ireo olona izay azoko lazaina no hahafantatra"
Ny mpanao salamo miteny ireo zava-tsoa nataon'Andriamanitra tahaka ny hoe natambatra toy ny tranobe avo dia avo na tendrombohitra.
Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo adika ho fanambarana. DH: "tsy misy toa Anao!"
"fahoriana mahatsiravina"
atanjahana na velombelomina indray
"Ny lalin'ny tany" dia sarinteny ho an'izay alehan'ny olombelona aorian'ny hafatesany. Ny mpanoa salamo akory tsy hoe efa maty , fa kosa miteny fa raha maty izy. DH: "rehefa akaiky ho faty izahay"
"Tiako Ianao hampitombo ... tiako Ianao hitodika indray ka herezo." Misy amin'ireo fandikan-teny mivaky toy izao: "Hitombo Ianao ... hitodika indray Ianao ka hampahery." (Jereo UDB)
Izany dia mamaritra fihetsika iray amin'ny alalan'ny andianteny roa. DH: "herezo indray aho"
"satria afaka mitoky aminao aho"
"ho Anao, izay Ilay Masin'Israely, no hihirako fiderana raha mitendry lokanga aho"
Ny "molotra" dia sarinteny ho an'ilay olona manontolo. DH: "Hihoby aho" (Jereo UDB)
Ny teny izay noadinoin'ny mpanao salamo dia azo ambaa mazava tsara. DH: "ary ny fanahiko, izay navotanao, hihira fiderana"
Eto ny "fanahy" dia manondro ilay olona manontolo.
Eto ny "lela" dia manondro ilay olona manontolo. DH: "Izaho koa hiresaka"
"ireo izay nitady ny fahavoazako dia efa nomenarina sy vey hevitra"
Izany dia manondro ireo fahavalon'ny mpanoratra. (71:8) Jereo ny fomba nandikana ny hoe "ireo izay nitady ny fahavoazako" ao amin'ny 71:12.
Salamo nataon'i Solomona. 1 Omeo ny mpanjaka ireo lalànao marina, Andriamanitra o, ny fahamarinanao ho an'ny zanaka lahin'ny mpanjaka. 2 Hitsara ny olona amin'ny fahamarinana anie izy ary ny mahantranao amin'ny rariny. 3 Hamoa fiadanana ho an'ny olona anie ireo tendrombohitra; hamoa fahamarinana anie ireo havoana. 4 Hitsara ny mahantra amin'ny vahoaka anie izy; hanavotra ireo zanaky ny ory anie izy ka hamotipotika ny mpampahory. 5 Hanome voninahitra Anao anie izy ireo raha mbola eo koa ny masoandro, ary raha mbola maharitra koa ny volana manerana ny taranaka hifandimby rehetra. 6 Hirotsaka tahaka ny orana eny amin'ny ahitra voatapaka anie izy, tahaka ny rotsak'orana izay manondraka ny tany. 7 Hamony amin'ny androny anie ny olo-marina, ary hisy fiadanam-be anie ambara-pahafoanan'ny volana. 8 Hanana fanapahana amin'ny ranomasina mankany amin'ny ranomasina anie izy. 9 Hiankohoka eo anatrehany anie ireo monina any an'efitra; hisolelaka vovoka anie ireo fahavalony. 10 Ireo mpanjakan'i Tarsisy sy ny an'ireo nosy anie handoa hetra; ireo mpanjakan'i Sheba sy Seba anie hanolotra fanomezana. 11 Ho lavo eo anatrehany tokoa anie ireo mpanjaka rehetra; hanompo azy anie ireo firenen-drehetra. 12 Fa manavotra ny olona ory izay mitaraina sy ny olo-mahantra izay tsy manana mpanavotra hafa izy. 13 Mamindra fo amin'ny mahantra sy ory izy, ary manavotra ny ain'ny olona ory. 14 Mamonjy ny ain'izy ireo amin'ny fampahoriana sy herisetra izy, ary sarobidy eo imasony ny ràn'izy ireo. 15 Ho velona anie izy! Homena Azy anie ny volamenan'i Sheba. Hivavaka ho azy foana anie ny olona; hitahy azy andro lava anie Andriamanitra. 16 Hisy fahabetsaham-bary anie eny amin'ny tany; eny amin'ny antampon-tendrombohitra anie no hisy volin'izy ireo. Ho tahaka an'i Libanona anie ny vokatr'izany; hamony tahaka ny ahitry ny saha anie ny olona ao an-tanàna. 17 Haharitra mandrakizay anie ny anarany; haharaitra tahaka ny masoandro anie ny anarany; ho voatahy ao aminy anie ny olona; hiantso Azy hoe sambatra anie ny firenen-drehetra. 18 Isaorana anie Yaveh Andriamanitra, ilay Andriamanitr'Israely, izay Izy irery no manao zava-mahagaga. 19 Isaorana mandrakizay anie ny anarany be voninahitra, ary ho feno ny voninahiny anie ny tany manontolo. Amen dia Amen. 20 Tapitra ny fivavahan'i Davida zanaka lahin'i Jese. Boky fahatelo
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny amin'ny fiandohana hoe "salamo nataon'i Solomona" dia 1) Davida nanoratra ity salamo ity ho an'i Solomona ("ilay zanaky ny mpanjaka") na 2) Solomona (izay, amin'ny maha zanak'i Davida, dia "ny zanaky ny mpanjaka") nanoratra ity salamo ity ho vavaka momba azy manokana 3) nisy mpanjaka hafa nanoratra ity salamo ity momba ny zanany lahy amin'ny fomban'i Solomona. Ny olona tamin'izany andro izany mantsy niteny matetika ny tenany ho toy ny olon-kafa. Kanefa, tny tsara indrindra andikana izany dia tahaka ny mpanao salamo miteny olon-kafa, fa tsy ny tenany manokana.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Omeo ahy, ilay mpanjaka, ireo lalànao marina, Andriamanitra o, ny fahamarinanao ho an'ny zanako lahy" na 2) "Omeo ahy, ilay mpanjaka, ireo lalànao marina, Andriamanitra o, ny fahamarinanao amiko, ilay zanaka lahin'ny mpanjaka." Ny olona tamin'izany andro izany mantsy niteny ny tenany matetika ho olon-kafa. Kanefa, ny tsara indrindra andikana izany dia tahaka ny mpanao salamo miteny olon-kafa, fa tsy ny tenany.
"mamela ny mpanjaka hitsara amim-pahamarinana" (Jereo UDB)
"Hanao izay mahafaly Anao anie ny zanaka lahin'ny mpanjaka"
Raha Davida no nanoratra ity, dia miresaka momba ny zanany lahy izy: "ny zanaka lahin'ny mpanjaka," miteny ny fotoana izy rehefa mpanjaka ny zanany. Raha Solomona no nanoratra ity, na dia manoratra momba ny tenany ihany aza izy, dia ny tena tsara andikana izany dia tahaka azy nanoratra momba an'olon-kafa. Na amin'ny fomba: "Hitsara anie ny mpanjaka" ko dia dikan-teny indrindra.
Ny mpanao salamo miresaka amin'Andriamanitra.
"ary hitsara ny voakanao mahantra anie ny mpanjaka"
Ny mpanao salamo miteny ny vahoakan'Israely toy ny hoe tendrombohitra sy havoana izay onenan'izy ireo. Izy miteny ireo tendrombohitra sy ireo havoana toy ny hoe ny tany Israely manontolo, toy ny hoe izany tany izany no zaridaina mamokatra voankazo, ary miteny ny fiadanana sy fahamarinana toy ny hoe voankazo. DH: "Hiaina amim-piadanana anie ny vahoaka amin'ny tany ... hanao ny zava-drehetra amin'ny fomba marina anie izy ireo"
Ireo dia manondro an'izay "hitsara" 72:1
"hamotika tanteraka izay mampahory azy ireo"
Ny masoandro amam-bolana dia sarinteny ho an'ny andro sy alina, izay manondro hoe amin'ny fotoana rehetra. DH: "mandrakizay, ary tsy misy fiafarany"
Ho tsara anie ny mpanjaka, ary hanao zava-tsoa ho an'ny vahoakany toy ny hoe izy no ranon'orana mahasoa ho an'ny ahitra vao tapaka vao haingana.
"maniry azy ho tonga aho"
"Hidina tahaka ny rotsak'orana manondraka anie izy." Ho tsara ny mpanjaka, ary hanao zava-tsoa ho an'ny vahoakany toy ny hoe izy no ranon'orana mahasoa ho an'ny tany.
Ny mpamaritoetra "marina" dia azo adika ho andianteny anarana. DH: "olo-marina"
Ireo mety ho heviny dia 1) "raha mbola nanapaka ny mpanjaka" na 2) "arakaraka ny fiainan'ny olo-marina" na "raha mbola miaina koa ny olo-marina"
Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe zavatra hita maso tahaka ny hanina ny fiadanana. Ny "habetsahana" dia rehefa misy zavatra betsaka. DH: "ho afa-miaina amin'ny fiadanana marina tokoa anie ny olona"
"raha mbola mitaratra koa ny volana" (UDB) na "mandrakizay"
"Ny mpanjaka anie hanana fanapahana"
Ireo fomba fiteny roa ireo dia manondro ny tany manontolo.
amin'ny ranomasina Maty sy ny ranomasin'i Kinerata any atsinanan'ny ranomasina Mediteraneana any andrefana.
"ny Ony Eofrata," izay nandehanan'ny Israelita tamin'ny tany ka nandehanany nianavaratra.
izay farany lavitra nandehanan'ny olona amin'ny tany amina lalana samihafa mankany atsimo. Ny Israelita niteny ny tany toy ny hoe fisaka ka misy sisiny.
Izany dia sarinteny ho an'ny fahafam-baraka faran-tampony. DH: "manao izay rehetra azon'izy ireo atao mba hanomezany azy ireo ireo alalana ho velona"
Ny anarana toerana iray
"hanome"
"hanome fanomezana"
Io dia anarana firenena. Tsy mitovy amin'ny Sheba akory izany.
"miankohoka eo anatrehany" na "manome voninahitra azy tahaka ny mpanjaka"
"ny olona izay monina amin'ireo firenena rehetra"
"tsy misy olona hanampy azy"
"Te hampitsahatra ny mahantra sy ory amin'ny fijaliana izy"
Eto ny teny "mahantra" sy "ory" midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy fa tsy afaka manampy tena izy ireo.
"mamonjy azy ireo" na "manavotra azy ireo"
Ireo teny roa ireo midika zavatra mitovy ary manamafy ny faharatsian'ny fijalian'ny ory. DH: "ireo izay mampahory azy ireo sy mandratra azy ireo"
"maniry azy ireo hiaina tsara izy"
"ny ain'izy ireo" na "ny fiainan'izy ireo"
"aminy." Jereo izay nandikana izany ao amin'ny (19:13)
"Ho lava andro iainana anie ny mpanjaka!" na "maniry ny mpanjaka aho mba ho ela velona!"
"hatrany hatrany"
Ny "fahabetsahana" dia rehefa misy zavatra betsaka loatra. "vary betsaka" na "vary mitobaka be"
Fambolena izay volen'ny olona hatao sakafo
Ampiasaina ny teny ho an'ny ataon'ny ahitra lava rehefa misy rivo-malefaka mitsoka izany ary dia mihetsiketsika aloha sy aoriana izany.
"tahaka ny hazo sedera any Libanona." hazo ireo dia tsara tarehy tokoa ary nanana hazo tsara ho amin'ny fananganana. Azo atao mazava tsara ny dikan'izany.
Ny fahombiazan'ny olona ao an-tanàna dia lazaina toy ny hoe ahitra izay mihabetsaka hatrany any an-tsaha.
"hahalala mandrakariva ny momba azy anie ny olona" na "tsy hanadino mihitsy ny maha iza azy anie ny olona"
"ny anaran'ny mpanjaka" na "ny lazan'ny mpanjaka"
"raha mbola mamiratra koa ny masoandro"
"hahatadidy fa Andriamanitra nitahy azy"
Ireto andininy ireto dia mihoatra ny fiafaran'ity salamo ity. Ity no fanambarana fanakatonana ho an'ny bokin'ny Salamo 2, izay manomboka amin'ny Salamo 42 ary mifarana amin'ny Salamo 72.
"izy, izay be voninahitra, no isaorana"
Ny teny hoe "Amena" dia averimberina mba hanamafisana fankatoavana an'izay voalaza. Jereo izay nandikana izany ao amin'ny 41:13. DH: "Ho tanteraka tokoa anie izany"
"Izany no vavaka faranynataon'i Davida zanaka lahin'i Jese"
1 Salamo nataon'i Asafa. Azo antoka tokoa fa Andriamanitra dia tsara ho an'Israely, ho an'ireo madio fo. 2 Fa raha izaho aloha, dia saika nibolisatra ny tongotro; saika solafaka ny diako 3 satria nitsiriritra ny mpirehareha aho raha nahita ny fahombiazan'ny ratsy fanahy. 4 Fa tsy mba mijaly izy ireo mandra-pahafatiny, fa dia mahery sy voafahana tsara. 5 Afaka amin'ny enta-mavesatry ny lehilahy hafa izy ireo; tsy mba ory tahaka ny olona hafa. 6 Mandravaka azy ireo tahaka ny rojo eo amin'ny vozony ny fireharehana; ny herisetra no tafiany toy ny akanjo. 7 Avy amin'ny fahajambana toy izany no hivoahan'ny ota; mamakivaky ny fon'izy ireo ny eritreri-dratsy. 8 Maneso sy miteny ratsy izy ireo; amin'ny fiavonavonana no andrahonan'izy ireo fampahoriana. 9 Ampanoherin'izy ireo ny lanitra ny vavany, ary mamakivaky ny tany ny lelan'izy ireo. 10 Noho izany dia mitodika amin'izy ireo ny olony ka rano be no voagoka. 11 Hoy izy ireo hoe: "Ahoana no hahalalan'Andriamanitra? Moa misy fahalalana ao amin'ny Avo Indrindra?" 12 Hevero tsara: ireny olona ireny dia ratsy fanahy; tsy mivaky loha mandrakariva izy ireny, tonga mpanan-karena dia manan-karena. 13 Zava-poana dia zava-poana ny niambenako ny foko sy ny nanasako tanana tamin'ny tsy fananan-tsiny. 14 Fa nampahoriana andro lava aho ary nofaizina isa-maraina. 15 Raha nilaza aho hoe: "Holazaiko ireo zavatra ireo," dia efa namadika ity taranaka mandimbin'ny zanakao ity aho. 16 Na izany aza dia niezaka nanakatra ireo zavatra ireo aho, tena sarotra tamiko anefa izany. 17 Koa nandeha tao am-pitoerana masin'Andriamanitra aho ka tonga nahatakatra ny nanjo azy ireo. 18 Napetrakao tamin'ny teorana malama tokoa izy ireo; naetrinao tamin'ny faharavana izy ireo. 19 Indrisy fa tonga efitra izy ireo tanatin'ny fotona fohy! Tonga amin'ny fahataperana izy ireo ka miafara amin'ny horohoro mahatsiravina. 20 Tahaka ny nofy aorian'ny fifohazana izy ireo; Tompo o, rehefa miarina Ianao, dia tsy hihevitra na inona na inona amin'ireny nofy reny. 21 Fa nalahelo ny foko, ary naratra mafy aho. 22 Tsy nahalala aho ary tsy mba lalin-tsaina; tahaka ny biby tsy misy antony aho manoloana Anao. 23 Nefa aho miaraka aminao hatrany; mihazona ny tanako ankavanana Ianao. 24 Hitarika ahy amin'ny torohevitrao Ianao ary aorian'izany dia handray ahy amim-boninahitra. 25 Manana an'iza afa-tsy Ianao moa aho any an-danitra? Tsy misy iriako afa-tsy Ianao ety ambonin'ny tany. 26 Miha-ketraka ny nofoko sy ny foko, fa herin'ny foko mandrakizay Andriamanitra. 27 Ho levona ireo izay lavitra Anao; ho ringaninao izay rehetra tsy mahatoky Anao. 28 Fa raha izaho aloha, ny hany tokony ataoko dia ny manatona an'Andriamanitra. Efa nanao ny Tompo Yaveh ho fialofako aho. Hanambara ireo asanao rehetra aho.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Ity dia salamo nosoratan'i Asafa." Jereo ny nandikana izany ao amin'ny 53:1.
Ny mpanao salamo miteny ny maha tsy afaka matoky an'Andriamanitra ary maniry hanota toy ny hoe izy saika lavo raha nandeha tamin'ny lalankely malama. DH: "saika nitsahatra nitoky tamin'Andriamanitra aho; efa saika meloka amin'ny fanaovana fahotana lehibe taminy aho" (UDB)
"nitsiriritra ny mpirehareha aho" na "tsy tiako hanan-java-tsoa izay nananany ny mpirehareha"
Ny mpamaritoetra "mpirehareha" dia azo avadika ho andianteny anarana. DH: "olona mpirehareha"
Ny teny "fahombiazana" dia azo adika ho matoanteny. DH: "ny fomba hahazoan'ny ratsy fanahy zava-tsoa marobe"
Ny mpamaritoetra "ratsy fanahy" dia azo adika ho andianteny anarana. DH: "olona ratsy fanahy"
Asafa manomboka manoritsoritra fa indraindray izy te hitaraina amin'Andriamanitra momba ireo izay "mirehareha" sy "ratsy fanahy" (73:1)
Ny teny "enta-mavesatra" dia sarinteny ho an'ny ady amin'ny fiainana andavan'andro (filàna amin'ny sakafo, fialofana, fitafiana, ary fahasalamana)
"tsy mba mijaly tahaka ny fijalian'ny olona sasany izy ireny"
Asafa manohy manoritsoritra fa indraindray izy te hitaraina amin'Andriamanitra momba ireo izay "mirehareha" sy "ratsy fanahy" (73:1)
Izany dia midika ny ratsy fanahy mampiseho ny rehetra fa mpiavonavona sy maherisetra izy ireo rehefa manao rojo sy mitafy tohitena tsara tarehy.
Izany dia manondro zavatra izay fanaovan'ny olona manan-karena sy lehibe.
vakana vita amin'ny volamena na firavaka izay manodidina ny vozona.
Satria izy ireo tahaka ny olona jamba izay tsy afa-mahita izay alehany, dia manota izy ireo fa tsy mahalala izany. Ny jamba dia sarinteny ho an'ny olona tsy afaka mahita ny maha ratsy fanahy azy.
Eto ny mpanao salamo dia mamaritra ny fisainan'ny olona toy ny hoe olona izany. Mamaritra ihany koa izy ny anatin'ireo olona ratsy fanahy toy ny hoe fotodrafitr'asa izay azon'ny olona andehandehanana. DH: "ao anatin'izy ireo no ieritreretan'izy ireo mandrakariva ny momba ireo zava-dratsy hafa ho ataony" (UDB)
Asafa manomboka manoritsoritra fa indraindray izy te hitaraina amin'Andriamanitra momba ireo izay "mirehareha" sy "ratsy fanahy" (73:1)
Izay esoin'izy ireo dia azo amabra mazava tsara. DH: "Maneso an'Andriamanitra sy ny vahoakany izy ireo"
Eto ny teny "lanitra" dia sarinteny ho an'Andriamanitra, izay monina any an-danitra. DH: "Miteny manohitra an'Andriamanitra, izay any an-danitra izy ireo"
"miteny mahery" na ""miteny amin'ny antony"
Ny teny "lela" dia sarinteny ho an'ny vahoaka tenany mihitsy. Ireo mety ho heviny dia 1) "mandeha mamakivaky ny tany amim-pitenenan-dratsy momba an'Andriamanitra izy ireo" na "mandehandeha eny rehetra eny izy ireo ka mirehareha amin'ny tenany"
Asafa manomboka manoritsoritra fa indraindray izy te hitaraina amin'Andriamanitra momba ireo izay "mirehareha" sy "ratsy fanahy" (73:1)
Ireo mety ho heviny dia 1) "tia ny olona ratsy fanahy ny vahoakan'Andriamanitra" na "miverina amin'ny fitoerany ny olona ratsy fanahy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "mihaino amim-pifaliana ny tenin'ny olona ratsy fanahy ny vahoakan'Andriamanitra" na 2) "manana marobe amin'ny hanin-kohanina sy divay sotroina ny olona ratsy fanahy"
Asafa manomboka manoritsoritra fa indraindray izy te hitaraina amin'Andriamanitra momba ireo izay "mirehareha" sy "ratsy fanahy" (73:1)
Ireo fanontaniana fampisainana ireo dia mba hampisehoana fanamavoana an'Andriamanitra. Ireo fanontaniana ireo dia azo avadika ho fanambarana tsotra. DH: "ny azo antoka dia tsy fantatr'Andriamanitra izay ataontsika. Tsy manam-pahalalana ny amin'izany ny Avo Indrindra."
Ao amin'ny andininy 13 sy 14, Asafa manohy mamaritra fa indraindray izy te hitaraina amin'Andriamanitra momba ireo izay "mirehareha" sy "ratsy fanahy" (73:1). Ao amin'ny andininy 15 izy dia manomboka miresaka momba izay tena ao an-tsainy.
Ny teny "ko" dia manondro an'i Asafa.
Asafa miteny ny fiambenana ny fony toy ny hoe miambina tanàna na tranobe amin'ny fahavalo. DH: "nihazona ny fisainako ho madio aho"
Ny mpanoratra miteny ny fahadiovany toy ny hoe izy nanasa ny tanany tamin'ny tsy fananan-tsiny raha tokony ho amin'ny rano. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 26:6. DH: "nijanona ho madio ireo fihetsiko" na "nosasako ny tanako mba hanehoana fa tsy manan-tsiny aho"
"mandrakariva" na "isan'andro"
"nampijaly ahy Ianao." Jereo ny nandikanao ny "tsy nampahoriana izy ireo" ao amin'ny 73:4
"nanarina aho"
Ity toe-javatra ity akory tsy tena nitranga. DH: "Tsy niteny mihitsy aho hoe: 'hilaza ireo zavatra ireo aho,' koa tsy hamadika ity taranaka mandimbin'ny zanakao ity aho"
Ireo zava-tsoa izay mitranga amin'ny "ratsy fanahy" (73:4 - 73
"izay mitranga amin'ny olona ratsy fanahy rehefa maty izy ireo" (UDB) na "ny fomba hahafatesan'ny olona ratsy fanahy"
Ny teny "izy ireo" dia manondro ny ratsy fanahy.
"tany tsy azo antoka na tsy marina." Jereo izay nandikana ny "
Ny teny "efitra" dia sarinteny ho an'olona izay very zava-tsoa marobe. DH: "tonga rava faingana izy ireo"
Tsy hijanona ela mihoatra ny olona mahita anaty nofy ny ratsy fanahy. Ho foana izany rehefa mifoha ilay olona.
Ny teny "fo" dia sarinteny ho an'ny fihevitra ny fahatsapan'olona. DH: "nalahelo loatra aho"
Ny mpanao salamo miteny ny fanaintainana anaty toy ny hoe fijaliana ara-nofo. DH: "Toy ny nisy olona nandratra aho" tamin'ny antsy na zana-tsipìka.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy ihany amin'ny ankapobeny ary manamafy ny hakelezan'ny fahafantarany. DH: "tsy nahalala tanteraka"
"tsy naharaka na inona na inona"
Ity "Anao" ity dia manondro an'Andriamanitra.
Ny teny "aho" eto dia maneho an'i Asafa. Ny teny "Ianao" eto maneho an'Andriamanitra.
Io dia mampiseho fiarahana akaiky dia akaiky amin'Andriamanitra ka manome fandriampahalemana sy fahamarinan-toerana. DH: "mihazona ahy akaiky Ianao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "apetraho eny amin'izy hanomezan'ny olona voninahitra ahy aho" na 2) "omeo voninahitra aho amin'ny fangalana ahy hankany amin'izay misy Anao." Jereo izay nandikana ny "handray ahy" ao amin'ny 49:14
Azonao adika ho fanambarana tsotra izany. DH: "Tsy misy ahy afa-tsy Ianao any an-danitra any" na "Ianao no ilay Tokana ananako any an-danitra"
"eo amin'ireo andriamanitra" na "eo amin'ireo mahagaga"
"tsy misy olombelona"
Ireo andianteny roa ireo dia mifampizara hevitra mitovy. Maneho ilay olona manontolo ireo raha ampiarahana. DH: "Ny vatako sy ny saiko"
Asafa manohy miresakia momba an'Andriamanitra.
Eto ny antony hanalavirana an'Andriamanitra dia ampitahaina amin'ny hoe tsy te hankatò Azy. DH: "ireo z=izay tsy te hankatò Anao"
Ny mpanoratra miteny an'Yaveh toy ny hoe toerana izay azon'olona iray handosirana mba ho fiarovana.
Maskila nataon'i Asafa. 1 Andriamanitra o, nahoana no dia nandà anay mandrakizay Ianao? Nahoana no dia mirehitra amin'ny ondrin'ny fihinanam-bilonao ny hatezeranao? 2 Tsarovy ny olonao, izay nenjehinao tamin'ny fotoana taloha, ny foko izay efa navotanao mba ho lovanao manokana, sy ny tendrombohitra Ziona, izay onenanao. 3 Tongava hijery ny faharavana tanteraka, ny fahasimbana rehetra izay nataon'ny fahavalo tamin'ny fitoerana masina. 4 Mierona eo afovoan'ny toerana voatondronao ireo fahavalonao; mametraka ny sainan'ny adiny. 5 Nanapatapaka amin'ny famaky tahaka ny any amin'ny ala mikitroka izy ireo. 6 Namotipotika sy nandrodana ireo sokitra rehetra; novakian'izy ireo tamin'ny famaky sy tantanana. 7 Mandoro ny fitoeranao masina izy ireo; manimbazimba ny fonenanao, manazera izany amin'ny tany. 8 Hoy izy ireo anakampo hoe: "Hopotehinay avokoa izy rehetra ireo." Nodoran'izy ireo avokoa ny toeranao fihaonana rehetra teny amin'ny tany. 9 Tsy mahita famantarana intsony izahay; tsy misy mpaminany intsony, ary tsy misy aminay mahalala izay haharetan'izany. 10 Mandra-pahoviana, Andriamanitra o, no handefasan'ireo fahavalo ompa any aminao? Moa hiteny ratsy ny Anaranao mandrakizay ve izy ireo? 11 Nahoana Ianao no mihazona ny tananao, ny tananao ankavanana? Esory ao anaty akanjonao ny tananao ankavanana ka aringano izy ireo. 12 Kanefa Andriamanitra dia mpanjakako efa hatramin'ny taloha, mitondra famonjena amin'ny tany. 13 Ianao no nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao; Ianao no namotipotika ny lohan'ireo dragon'ny ranomasina tao anaty rano. 14 Ianao no nanorotoro ny lohan'ireo leviatana; Ianao no namahana azy ho amin'ireo velona tany an'efitra. 15 Ianao no nampivoaka loharano sy riana; Ianao no nandritra ny ony mikoriana. 16 Anao ny andro, ary Anao koa ny alina; Ianao no nametra ny masoandro amam-bolana amin'ny toerany. 17 Ianao efa nametraka ireo vazan-tany rehetra; Ianao efa nanao ny fahavratra sy ny ririnina. 18 Tsarovy ny fomba naniratsiran'ny fahavalo Anao, ry Yaveh, ary ireo olona adala izay efa niteny ratsy ny anaranao. 19 Aza apetraka eo amin'ny bibidia ny ain'ny voromailalanao. Aza manadino ny ain'ireo olonao nampahoriana mandrakizay. 20 Tsarovy ny fanekenao, fa ny toerana maizina amin'ny tany dia feno toeran'ny herisetra. 21 Aza avela hiverina amin'ny henatra ireo nampahoriana; avelao hihoby ny anaranao ny mahantra sy nampahoriana. 22 Mitsangàna, Andriamanitra o; arovy ny voninahitrao manokana; tsarovy ny fomba naniratsiran'ny adala Anao andro lava. 23 Aza manadino ny feon'ireo mpifanandrina aminao na ny tabataban'ireo izay mihantsy Anao tsy anki-janona.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia maskila nosoratan'i Asafa."
Mety ho manondro karazana mozika izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 32:1.
Azo adika ho fanambarana tsotra izany. DH: "Andriamanitra o, tsy nanao fahadisoana izahay, nefa dia nolavinao mandrakizay!"
Azo adika ho fanambarana tsotra izany. DH: "Izahay ilay nampanantenainao hokarakaraina, ary tsy nanao fahadisoana izahay, fa ankehitriny kosa tezitra aminay Ianao!"
Asafa miteny ny vahoakan'Israely toy ny hoe ondry. DH: "mirehitra amin'Israely, izay tahaka ny ondry fahananao ao amin'ny fihinanam-bilonao"
"Asio fiheverana." Andriamanitra tsy mba manadino ny vahoakany, fa kosa ohatran'ny toa tsy mihevitra azy ireo Izy.
"Anao mandrakizay"
Ireto andininy ireto mamaritra zava-mitranga amin'izao fotoana, famelezana ara-batana ny tempolin'Israely any Jerosalema.
Asafa miresaka amin'Andriamanitra, mangataka aminy ho tonga hijery ny fandravana.
Ireo mpandrafy nihiaka mafy tamin'ny tomanim-pandresena lehibe.
Izany midika sokitra amin'ny hazo, vy, na vato ao an-tempoly.
Asafa manohy mamaritra ny faharavan'ny tempoly.
Eto ny "izy ireo" manondro an'ireo mpandrafy voalaza ao amin'ny 74:3.
Izany dia fomba fiteny. DH: "Hoy izy ireo amin'ny tenany" na "Miteny ao an-tsainy izy ireo"
Asafa miresaka amin'Andriamanitra momba ny faharavana hitany.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Tsy mahita famantarana mahagaga avy amin'Andriamanitra intsony izahay" na 2) "lasa avaokoa ireo famantarana masina teto aminay" na 3) raha toa ka miresaka momba ny saina sy tarigetran-tafika dia: "Potika tanteraka ny tafikay."
Azo adika ho fanambarana tsotra izany. DH: "Andriamanitra o, efa nitoraka ompa Anao ela loatra ny fahavalo!"
Azo adika ho fanambarana tsotra izany. DH: "Toy ny hoe tsy hampitsahatra ny fahavalo amin'ny fitenenan-dratsy ny anaranao mihitsy Ianao!"
Ny teny "anarana" dia sarinteny ho an'Andriamanitra tenany. DH: "hiteny fa ratsy Ianao" na "hanamavo Anao"
Ny mpanao salamo miteny an'Andriamanitra toy ny hoe nanana vatana. Azo adika ho fanambarana tsotra izany. DH: "Aoka izay ny fihazonanao ny tananao, dia ny tananao ankavanana!"
Eto ny teny "tanana" dia sarinteny ho an'yn hery. DH: "tsy mampiseho ny herinao" na "tsy mampiasa ny herinao hamotehana ireo fahavalonao"
"ny tananao mahery indrindra"
Ny mpanao salamo miteny an'Andriamanitra toy ny hoe nanana vatana. "Aoka izay ny fanafenanao ny herinao ka miasà"
Ity dia manomboka foto-kevitra vaovao: Asafa manambara ireo asa maherin'Andriamanitra tamin'ny tantaran'ny vahoakany.
Ireo mety ho heviny dia 1) Asafa miteny ho solontenan'Israely: "Andriamanitra no mpanjakanay hatramin'ny naha firenena anay Israelita" na 2) "Andriamanitra, mpanjakako, dia velona eny hatramin'ny fotoana ela."
"manavotra olona"
Mety ho miteny ny fotoana nitondran'Andriamanitra an'Israely nivoaka an'i Egypta, nanasarahany ny Ranomasina Mena, nitarihany an'Israely namakivaky ny tany karankaina, sy nandiforany ny tafik'i Farao i Asafa.
Asafa miteny an'Andriamanitra toy ny hoe nanana vatana. "Mahery loatra Ianao ka afaka nampisy tany maina teny afovoan-dranomasina."
"ny rano lehibe"
Mety ho miteny an'i Farao sy ny tafiny toy ny hoe biby goavana an-dranomasina i Asafa. Raha mety, dia adikao ara-bakiteny ireo teny ireo. DH: "rehefa namono ny tafik'i Farao Ianao, dia tahaka ny hoe Ianao namotipotika ny lohan'ireo dragon'ny rano"
Asafa manohy miteny izay nataon'Andriamanitra fahizay. Mety ho miteny ny fotoana nitondran'Andriamanitra an'Israely nivoaka an'i Egypta sy ny nandiforany ny tafik'i Farao tany amin'ny ranomasina Mena izy. Raha mety, dia tokony adika ara-bakiteny ireo teny ireo.
Ny Leviatana dia biby lehibe an-dranomasina. Izany dia maneho fahavalo lozabe.
"Ianao no nampikoriana ny loharano sy riana avy amin'ny tany mafy sy maina"
Asafa manohy mitantara ny hery famoronan'Andriamanitra.
"ireo sisin-tany sy ny ranomasina"
Asafa mitaraina ny fanampian'Andriamanitra.
"Asio fiheverana." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 74:1
Asafa miteny ny teny faniratsirana toy ny hoe zavatra, tahaka ny vato, izay nitorahan'izy ireo an'i Yaveh. DH: "naniratsira Anao im-betsaka ny fahavalo"
Asafa miteny ny tenany toy ny hoe voromailala, vorona tsy mahaaro tena. DH: "aho, izay voromailalanao." Ity andianteny ity dia mety ho sarinteny ho an'ny vahoakan'Israely.
Vorona kely tsy mahaaro tena ary matetika ompiana.
Ity andianteny ity dia mety ho sarinteny ho an'ireo fahavalon'Israely. DH: "fahavalo romotra tahaka ny bibidia"
"Aza miraviravy tanana mandrakizay amin'ny fanampiana ny vahoakanao nampahoriana." DH: "Tongava faingana hamonjy ny vahoakanao nampahoriana"
Asafa manohy ny fitarainany amin'i Yaveh.
Asafa miteny ny "faritra" toy ny hoe fitoeran-javatra izay afaka asiana "toeran'ny herisetra." DH: "ireo olona maherisetra manao asa ratsy amin'ny toerana maizina amin'ny tany na aiza na aiza ahafahan'izy ireo"
Ny teny "maizina" dia mety ho sarinteny ho an'ny toerana izay itrangan'ny zava-dratsy na ho an'ny tany izay nandefasana sesitany ny Israelita, nefa ireo teny ireo dia tokony ho adika ara-bakiteny raha mety.
"Aza avela handavo ny nampahoriana ny olona ratsy fanahy ka hampamenatra azy ireo"
Ireo dia olona entin'ny olona manam-pahefana amin'ny fomba mahatsiravina.
Ny teny "mahantra" sy ny "nampahoriana" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy fa Yaveh manavotra ny maro izay mila ny fanampiany. Jereo izay nandikana ireo teny ireo ao amin'ny 35:9
"Asehoy amin'ny rehetra fa marina Ianao"
"Asio fiheverana." Andriamanitra akory tsy manadino ny fomba nanarabian'ny adala Azy, fa kosa ohatran'ny toa tsy mihevitra ny momba izany Izy. Jereo izay nandikana izany ao amin'ny 74:1
Ny teny "feo" dia sarinteny ho an'ny teny ampiasain'ny olona rehefa miteny. DH: "izay lazain'ireo mpifanandrina aminao"
Ny mpanao salamo miteny ny tenin'ireo izay mihantsy an'Andriamanitra toy ny hoe feom-biby avo na feon-javatra tsy miaina tahaka ny rano na rivotra. DH: "ary hevero ireo teny avo nefa tsy misy dikan'ireo izay mihantsy Anao mandrakariva"
"manohitra tanteraka"
Ho an'ny mpiventy hira; atao Al-Tashheth. Salamo nataon'i Asafa, tonon-kira. 1 Saotra no atolotray Anao, Andriamanitra o; saotra no atolotray, satria manambara ny fanatrehanao Ianao; ny olona milaza ireo asanao mahagaga. 2 Hitsara ara-drariny Aho amin'ny fotoana voatendry. 3 Na dia hihovitrovitra amin-tahotra aza ny tany sy ny mponina rehetra, dia hamafisiko ireo andrin'ny tany. Sela 4 Hoy aho amin'ny mpiavonavona hoe: "Aza miavonavona," ary amin'ny ratsy fanahy hoe: "Aza manandratra ny tandroka. 5 Aza manandratra ny tandrokao amin'ny avo; aza miteny amin'ny hatoka mpanambany." 6 Tsy avy any atsinanana izany na koa avy any andrefana, ary tsy avy any an'efitra akory no nahatongavan'izany fanandratana izany. 7 Fa Andriamanitra no mpitsara; Izy no manetry ary Izy no manandratra. 8 Fa Yaveh mihazona amin'ny tanany ny kapoakan'ny diavay mandroatra, izay voaharo hanitra, sy mandraraka izany. Hisotro izany hatramin'ny fara-faikany tokoa ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany. 9 Fa izaho kosa hilaza hatrany izay efa nataonao; hihira fiderana ho an'Andriamanitr'i Jakoba aho. 10 Hoy Izy hoe: "Hanapaka ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra Aho, fa ny tandroky ny olo-marina ho asandratra ambony."
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ny vahoakan'Andriamanitra no miteny ao amin'ny 75:1, ary Andriamanitra no miteny ao amin'ny 75:2-3.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Mety ho manondro karazana mozika izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 57:1.
"Ity dia salamo nosoratan'i Asafa." Jereo izay nandikana izany ao amin'ny 53:1.
"ny olona rehetra monina ao aminy"
"hazony tsy ho potika ny tany" na DH: "arovy ny vahoakako"
Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 3:1.
Ireo mety ho heviny dia 1) Andriamanitra no miteny na 2) Asafa no miteny.
Ny mpanoratra miteny amin'ny olona ratsy fanahy maro, ka dia betsaka izany no endrika eto.
"ary hoy aho tamin'ny ratsy fanahy"
Asafa miteny ny olona ratsy fanahy toy ny hoe biby misy tandroka eo amin'ny lohany izy ireo, ka maninjitra ny hatony ary mijanona ambony mba hampitahorana biby hafa. DH: "Aza matoky tena" na "Aza mirehareha momba izay maha matanjaka anao"
Asafa miteny ny olona ratsy fanahy toy ny hoe biby misy tandroka eo amin'ny loha, maninjitra ny hatony sy manao ny lohany ho ambony araka izay tratrany mba hampitahorana biby hafa. DH: "Matokia tena tsara mba tsy hirehareha fa lehibe noho Andriamanitra ianao"
Asafa miteny ny olona ratsy fanahy mihantsy na mianao fanamby amin'Andriamanitra toy ny hoe biby misy tandroka eo amin'ny loha, maninjitra ny hatony sy mihazona izany ho ambony mba hampitahorana biby hafa. DH: "amim-pireharehana"
Asafa miteny an'ilay manandratra toy ny hoe izy no fihetsika manandratra. Izy ihany koa miteny an'Andriamanitra manome hery sy mampitafy voninahitra olona iray toy ny hoe Izy tenany mihitsy no manandratra izany olona izany. DH: "Tsy olona avy any atsinanana no Ilay hanandratra anao" na "Tsy ho olona avy any atsinanana no Ilay hampatanjaka anao sy hanao ny olona hanome voninahitra anao"
Asafa miteny momba an'Andriamanitra.
Ny lazain'ny matoanteny dia azo ambara mazava tsara: "Izy no mampietry ny olona sasany ary Izy no manandratra ny olona hafa." Ny teny "mampietry" sy "manandratra" dia sarinteny ho an'Andriamanitra manao ny olona matanjaka ary maka ny tanjak'izy ireo. DH: "Izy no mampisolo ny toeran'ny lehilahy iray ho mpanjaka eo amin'ny toeran'ny lehilahy iray hafa" na "Izy no maka ny fahefan'ny lehilahy iray ary manome izany ho an'ny lehilahy iray hafa"
Rehefa manafay ny vahoaka i Yaveh dia ho tahaka ny olona avy nisotro divay mahery izy ireo ka ho marary.
Ny mandroatra dia sarinteny ilazana ny herin'ny divay mahatonga ny olona ho mamo. DH: "divay mahery"
ravinkazo maina na voan'ny tany
Mandraraka izany avy amina fitoerana lehib e mankao anaty kapoaka izay hisotroan'ny vahoaka.
"hisotro izay latsaka rehetra ao amin'izany"
Hoy Andriamanitra
Ny tandroka biby iray dia sarinteny ho an'ny fahefan'olona iray. DH: "esory ny fahefan'ny .... rehetra"
Ny tandroka biby iray dia sarinteny ho an'ny fahefan'olona iray. DH: "Hanandratra ny tandroky ny marina Aho" na "hampatanjaka ny marina Aho"
1 Ho an'ny mpiventy hira, amin'ny lokanga. Salamo nataon'i Asafa, tonon-kira. 2 Nampahafantatra ny tenany tao Joda Andriamanitra; lehibe ao Israely ny Anarany. Ao Salema ny lainy; ao Ziona ny toerana fonenany. 3 Tany Izy no nanapaka ireo zana-tsipìkan'ny tsipìka, ny ampinga, ny sabatra, ary ireo fitaovam-piadiana hafa. Sela 4 Mamirapiratra ny fahazavanao ary manambara ny voninahitrao Iano, raha midina avy any amin'ireo tendrombohitra, tany amin'izay namonoanao ireo niharam-boinao. 5 Voababo ny mahery fo; ka renoka izy ireo. Tsy afa-nanoatra ny mpiady rehetra. 6 Tamin'ny fitenenanao mafy, ry Andriamanitr'i Jakoba, dia samy renoky ny torimaso na mpitaingina na ny soavaly. 7 Ianao, eny Ianao, no hatahorana; iza no afaka hitsangana eo imasonao rehefa tezitra Ianao? 8 Avy any an-danitra no nampandrenensanao ny fitsarànao; natahotra sy nangina ny tany 9 raha iny Ianao, ry Andriamanitra, nitsangana hanatanteraka ny fitsaràna sy hanavotra izay nampahoriana rehetran'ny tany. Sela 10 Hitondra fiderana ho Anao tokoa ny fitsaranao tezitra amin'ny olombelona; tazominao ho an'ny tenanao ny sisa amin'ny fahatezeranao. 11 Manaova voady amin'i Yaveh Andriamanitrao ary tàno ireny. Hitondra fanomezana ho Azy izay hatahorana anie ireo rehetra izay manodidina Azy. 12 Manapaka ny fanahin'ireo andriana Izy; ary hatahoran'ireo mpanjakan'ny tany.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
"Ity hira ity dia tokony hampiarahana amin'ny olona mitsoka zava-maneno tsofina."
"Ity dia salamo nosoratan'i Asafa" Jereo ny nandikana izany ao amin'ny 53:1
"nahatonga ny olona hahalala hoe iza Izy" na "nampalaza ny tenany tao Joda"
Ny teny "ny anarany" dia sarinteny ho an'ny lazany. DH: "nihevitra Azy ho tsara sy mahefa ny vahoakan'Israely"
"ny toerana izay nofidiany honenana"
Ireo teny ireo dia mety ho sarinteny ho an'Andriamanitra mahatonga ny vahoakan'i Joda hiaina amim-piadanana tsy misy ahiahy amin'ireo fahavalony manangana ady amin'izy ireo, kanefa tokony adika ara-bakiteny ihany ny teny.
Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany.
Asafa miteny an'Andriamanitra toy ny hoe miaramila niverina avy any an-tendrombohitra aorian'ny fandresena amin'ny ady lehibe.
Ny andianteny faharoa dia manamafy ny andianteny voalohany izay ny voninahitr'i Yaveh mifandraika amin'ny Yaveh manazava mamirapiratra.
Ny teny "manazava mamirapiratra" dia sarinteny ho an'ny maha lehibe. DH: "Ianao mampiseho ny maha lehibe faran-tampony Anao"
"Nahafaty ireo miaramila maherifon'ireo fahavalony ny vahoakanao ary naka ny fananan'izy ireo rehetra"
Eto ny "renoka" dia fanalefahan-teny ho an'ny maty. DH: "maty" na "lavo ambany"
Ny teny "fibedesana" dia manondro fitenenana zavatra amin-katezerana na fomba henjana. DH: "Rehefa nobedesinao izy ireo"
"maty" na "lavo ambany"
Azo adika ho fanambarana tsotra izany. DH: "Tsy misy tafatsangana eo imasonao rehefa tezitra Ianao." na "afaka mamotika izay rehetra mahatezitra Anao Ianao"
"no nanambaranao ny fitsarànao" na "no nanambaranao ny fomba nandehananao hanafay ny olona ratsy fanahy"
Eto "ny tany" dia sarinteny ho an'ny olona miaina ety an-tany. DH: "ny vahoakan'ny tany"
"hanafay ny olona ratsy fanahy"
Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany.
Ny "tokoa" dia maneho fanantenana amin'izay manaraka fa ho tanteraka tokoa.
Ireo mety ho heviny dia 1) "hidera Anao tokoa ny olona satria Ianao tezitra amin'ny ratsy fanahy sy hitsara azy ireny" na 2) "hanao zavatra mahatonga ny vahoaka hidera Anao tokoa ireo olona izay tezitra aminao."
Ny hatezeran'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe zavatra izay azony afatotra amin'ny tenany tahaka ny hetra. DH: "afatotrao amin'ny tenanao tahaka ny hetra ny sisa amin'ny hatezeranao"
"Yaveh, izay tokony atahorana"
Ny andianteny "Mamongotra ny fanahy Izy" dia fomba fiteny midika fa mamotika ny fanahy Izy na mampietry Izy. DH: "Mampietry ireo andriana Izy"
1 Ho an'ny mpiventy hira; araka ny fomban'i Jedotona. Salamo nataon'i Asafa. Hiantso mafy an'Andriamanitra amin'ny feoko aho; Hiantso an'Andriamanitra amin'ny feoko aho, ary handre ahy ny Andriamanitro. 2 Nitady ny Tompo aho tamin'ny androm-pahoriako; naninjitra ny tanako aho nony alina, ary tsy nety reraka ireo. Tsy nety nampiononina ny fanahiko. 3 Nieritreritra an'Andriamanitra teo am-pisentoana aho; rehefa niha antitra aho dia nieritreritra ny momba Azy. Sela 4 Nihazona ny masoko hisokatra ianao; ory tanteraka aho raha hiteny. 5 Nieritreritra ireo andro fahiny aho, ireo fotoana maro lasa. 6 Nandritra ny alina dia nahatsiaro ilay hira niraiko indray mandeha aho. Nandinika tsara aho ary niezaka nanakatra izay nitranga. 7 Handà ahy mandrakizay ve ny Tompo? Tsy hankasitraka ahy intsony ve Izy? 8 Moa ve tsy efa lasa mandrakizay ny fitiavany mahatoky? Moa ve tsy efa foana mandrakizay ny fampanantenany? 9 Moa ve Andriamanitra efa nanadino ny maha mpamindra fo? Moa ve ny fahatezerany efa nanidy ny fangoraham-pony? Sela 10 Hoy aho hoe: "Izao no alaheloko: dia ny fiovan'ny tanana ankavanan'ilay Avo Indrindra mankany amintsika." 11 Fa hotsaroako ireo asanao, ry Yaveh; hisaina ny amin'ireo asanao mahagaga fahiny aho. 12 Hisaintsaina ireo asanao rehetra aho ka handinika azy ireo. 13 Ny lalanao, Andriamanitra o, no masina; andriamanitra inona moa no ampitahaina amin'Andriamanitray lehibe? 14 Ianao ilay Andriamanitra izay manao fahagagana; efa naneho ny herinao teo amin'ireo olonao ianao. 15 Nanome fandresena ny vahoakanao tamin'ny alalan'ny herinao lehibe Ianao—dia ireo taranak'i Jakoba sy Josefa. 16 Ny rano nahita anao, Andriamanitra o; nahita anao ny rano, ary dia raiki-tahotra; nihorohoro ny lalina. 17 Nandraraka ranon'orana ny rahona. Ny habakabaka feno rahona namoaka feo; Nifanaretsaka ny tsipìkanao. 18 Ny feonao mikotroka dia re amin'ny rivotra; ny tselatra nanazava ny tany; nihorohoro sy nangozohozo ny tany. 19 Nandalo tamin'ny ranomasina ny lalanao ary ny dianao tamin'ny rano manonja, saingy tsy tazana ny dian-tongotrao. 20 Nitondra ny vahoakanao tahaka ny biby fiompy tamin'ny alalan'ny tanan'i Mosesy sy Arona Ianao.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Nisy iray tamin'ireo mpiventy hiran'i Davida nanana anarana mitovy amin'izany. Ka mety ho manondro azy izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 39:1.
"Ity dia salamo nosoratan'i Asafa." Jereo izay nandikana izany ao amin'ny 53:1.
"Nivavaka aho ary namelatra ny tanako"
Ny "fanahy" dia sarinteny ho an'ny olona. DH: "Tsy namela na iza na iza hitady hampionona ahy aho"
Ireo andianteny roa ireo dia mifampizara hevitra mitovy ary ampiarahina ho fanamafisana.
"rehefa niha-antitra ny fanahiko" na "rehefa feno loatra ny fanahiko"
Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany.
Aorian'ny firesahana momba an'Andriamanitra, Asafa dia miteny amin'Andriamanitra ao amin'ny andininy 4 ary nony avy eo miverina miteny momba an'Andriamanitra.
"Hoy aho tamin'Andriamanitra: 'Ianao no mihazona ny masoko hihiratra.'"
Ny maso mihiratra dia sarinteny ho an'ny tsy fahafaha-matory. DH: "Nihazona ahy tsy hatory"
Raha ilaina dia ampiaraho ny "andro fahiny" sy ny "fotoana maro lasa." DH: "momba ireo zavatra izay nitranga fahiny elabe"
Izany dia fomba fiteny ho an'ny fahatsiarovana. DH: "nahatsiaro"
Ny mety ho hevitra hafa dia "izay zavatra nitranga."
Ireo andianteny roa ireo dia maneho fandavana avy amin'ny Tompo.
"hanao zavatra izay mampiseho fa faly amiko Izy"
Satria tsy tena azon'i Asafa antoka ny valinteny amin'ireo fanontaniana ireo, dia angamba fanontaniana ara-bakiteny ireo ka tokony ho adika ara-bakiteny.
Amin'ny filazana ny "fanekena mahatokin'i Yaveh" i Davida dia matoky fa hitia azy hatrany Yaveh. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 13:5. DH: "fitiavany mahatoky"
Asafa miteny ny hatezerana toy ny hoe olona manidy varavarana mba tsy hivoahan'ny fangorahan'olona iray hafa. DH: "Moa Andriamanitra nitsahatra nampiseho antsika fiantrana satria tezitra amintsika"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny mpanao salamo ihany no niresaka tamin'ny tenany na 2) ny mpanao salamo niresaka tamin'i Yaveh.
Ny "tanana ankavanana" dia sarinteny ilazana hery, fahefana na tanjaka. DH: "tsy mampiasa ny fahefany hanampiana antsika intsony ny Avo Indrindra"
Ny mpanoratra manomboka mresaka amin'i Yaveh.
"mahatsiaro" Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 74:1.
"ireo zava-mahagaga nataonao fahiny"
Ireo andianteny roa ireo dia maneho ny hevitry ny fisaintsainana amin'izay nataon'i Yaveh.
"Hisaina lalina ny amin'ny"
"hisaina izay mety ho dikan'izy ireo"
Ny mpanoratra manohy miresaka amin'i Yaveh.
Azo ambara ho fanambarana tsotra izany. DH: "tsy misy andriamanitra mifampitaha amin'ny Andriamanitray lehibe."
"nampiseho ny maha mahery Anao tamin'ny olona avy amin'ny fokon'olona marobe"
"nanome anay, vahoakanao, fandresena ... anay izay taranaka"
"nahatonga ny vahoakanao handavo ireo fahavalony"
Izany dia manondro ny firenen'Israely manontolo.
Asafa miteny ny rano toy ny hoe olona nahita zavatra izay nampihorohoro azy.
"rano" sy "lalina" dia manondro rano midadasika toy ny hoe ranomasina na ranomasimbe.
"rano lalina indrindra"
Asafa miteny ny rahona toy ny hoe olona nandraraka rano avy amin'ny fitorany. DH: "Ranon'oram-be no nilatsaka" na "Nanorana mafy izany"
Izany dia sarinteny mamaritra ny tselatra toy ny zana-tsipìkan'Andriamanitra"
Ampiasao ny tenin'ny fiteninao amin'ny ataon'ny zana-tsipìka rehefa avy alefan'olona.
Izany dia manondro ny kotroka tahaka ny feon'Andriamanitra. DH: "feo, izay mafy tahaka ny kotroka" na "feo avo dia avo"
Ny tselatra dia toa manazava ny tany manontolo. DH: "ny tselatra nanazava ny zava-drehetra hatramin'izay farany hitantsika"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra iraisana ary ampiarahina mba ho fanamafisana.
Asafa miteny an'i Yaveh toy ny hoe olona manan-tongotra. Satria fampitoviana amin'ny olona izany, dia tokony adika ara-bakiteny izany, raha mety.
Ity dia fampitahana mampitovy ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny ondry aman'osy.
Ny andianteny "tamin'ny alalan'ny tanan'" eto midika "tamin'ny alalan'ny nataon'" na "tamin'ny nataon'"
Eto ny "tanana" dia fibangoan-teny ho an'ilay olona manontolo.
1 Maskila nataon'i Asafa. Mihainoa ny fampianarako, ry vahoakako, henoy ireo teny aloaky ny vavako. 2 Hanokatra ny vavako amin'ny fanoharana aho; hihira mahakasika ireo zava-miafina momba'ny lasa aho. 3 Ireo dia zavatra efa henonay sy efa nianaranay, zavatra izay efa nolazain'ireo razambenay anay. 4 Tsy hanafina ireny amin'ny taranany izahay. Hilaza amin'ireo taranaka mandimby ireo asa mendri-piderana nataon'i Yaveh, ny heriny, ary ireo zava-mahagaga efa vitany izahay. 5 Fa nametraka didim-panekena tamin'i Jakoba Izy, ary nanendry lalàna tany Israely. Nandidy ireo razambenay Izy mba hampianatra ireo amin'ireo zanany. 6 Nandidy izany Izy mba hahalalan'ireo taranaka handimby ireo didiny, dia ireo zanaka mbola tsy teraka akory, izay tokony hitory izany amin'ny zanak'izy ireo ihany. 7 Ary hametraka ny fanantenany amin'Andriamanitra izy ireo ka tsy hanadino ireo asany, fa hitandrina ny didiny. 8 Ka dia tsy ho tahaka ireo razambeny, izay mafy hatoka sy taranaka mpikomy, taranaka izay tsy mba mahitsy fo, ary izay tsy nanolotra ny fanahiny sy nitoky tamin'Andriamanitra izy ireo. 9 Ireo Efraimita dia nirongo tsipìka, kanefa nihemotra izy ireo tamin'ny andron'ny ady. 10 Tsy nitandrina ny fanekena tamin'Andriamanitra izy ireo, ary nandà ny hankatò ny lalàny. 11 Nanadino ireo asany, ireo zava-mahagaga izay efa nasehony azy izy ireo. 12 Nanadino ireo zava-mahagaga izay nataony teo imason'ireo razambeny, tany amin'ny tany Egypta, tany amin'ny tanin'i Zoana izy ireo. 13 Nanasaraka ny ranomasina Izy ary nitondra azy ireo namakivaky izany; nataony nitsangana tahaka ny manda ny rano. 14 Rahona no nitarihany azy ireo nony andro, ary tamin'ny afo mazava nony alina. 15 Namaky ireo vatolampy tany an'efitra Izy, ary nanome rano be dia be azy ireo, ampy hamenoana ny halalin'ny ranomasina. 16 Nampikoriana rano avy amin'ny vatolampy Izy ary nataony nikoriana tahaka ny renirano izany. 17 Kinanjo mbola nanohy nanota taminy ihany izy ireo, fikomiana tamin'ilay Avo indrindra tany an'efitra. 18 Nihantsy an'Andriamanitra tamin'ny fony izy ireo, tamin'ny alalan'ny fangatahana sakafo mba hahavoky azy ireo. 19 Niteny nanohitra an'Andriamanitra izy ireo; hoy izy ireo hoe: "Afaka mamelatra latabatra ho anay any an'efitra tokoa ve Andriamanitra? 20 Indro, raha namaky ny vatolampy Izy, dia niraraka ny rano ary nikoriana nandifotra. Nefa afaka manome mofo ihany koa ve Izy? Hamatsy hena ho an'ireo vahoakany ve Izy?" 21 Rehefa ren'i Yaveh izany, dia tezitra Izy; ka dia nandoro an'i Jakoba ny afony, ary namely ny Israely ny hatezerany, 22 satria izy ireo dia tsy nino an'Andriamanitra ary tsy natoky ny famonjeny. 23 Kinanjo nandidy ny habakabaka ambony Izy ary nanokatra ny varavaran'ny lanitra. 24 Nandraraka mana toy ny ranon'orana mba hohanin'izy ireo Izy, ary nanome vary azy ireo avy any an-danitra. 25 Nihinana ny mofon'ireo anjely ny vahoaka. Nandefa sakafo be dia be ho azy ireo Izy. 26 Nampitsoka ny rivotra avy any atsinana teny amin'ny habakabaka izy, ary tamin'ny alalan'ny heriny no nibaikony ny rivotra avy any atsimo. 27 Nandatsaka hena teo amin'izy ireo tahaka ny vovoka Izy, vorona maro tahaka ny fasi-dranomasina. 28 Ireo dia nilatsaka teo afovoan'ny tobin'izy ireo, nanodidina ireo lainy rehetra. 29 Ary dia nihinana izy ireo ka voky. Nomeny azy ireo izay niriany mafy. 30 Saingy mbola tsy afa-po ihany izy ireo; ny haniny nefa mbola teny am-bavany. 31 Ka dia namely azy ireo ny hatezeran'Andriamanitra ary namono ny matanjaka indrindra tamin'izy ireo. Nandavo ireo zatovolahin'Israely Izy. 32 Na dia teo aza izany, dia mbola nanota ihany izy ireo, ary tsy nino ireo asany mahatalanjona. 33 Noho izany Andriamanitra nanafohy ny andronízy ireo; ary feno horohoro ny taonany. 34 Na oviana na oviana nampahorianÁndriamanitra izy ireo, dia nanomboka nikatsaka Azy, ary niverina nitady Azy fatratra. 35 Ho tsaroan'izy ireo fa Andriamanitra no vatolampin'izy ireo ary ilay Andriamanitra Avo Indrindra no mpamonjy azy. 36 Kanefa hanao teny malefaka Aminy izy ireo ary handainga Aminy amin'ny tenin'izy ireo. 37 Satria ny fon'izy ireo dia tsy mbola nifikitra tanteraka taminy, ary izy ireo dia tsy nahatoky ny fanekeny. 38 Fa Izy kosa, amin'ny maha mpamindra fo, dia namela ny helok'izy ireo ary tsy namotika azy ireo. Eny, matetika Izy no mihazona ny hatezerany, ary tsy nanetsika ny fahavinirany rehetra. 39 Tsaroany fa izy ireo dia vita tamin'ny nofo, rivotra mandalo ary tsy miverina intsony. 40 Impiry moa izy ireo no nikomy hanohitra Azy tany an'efitra ary nampalahelo Azy tany amin'ny tany ngazana! 41 Nihantsy an'i Yaveh hatrany hantrany ka nanafitohina ilay Masin'Israely. 42 Izy ireo tsy mba nisaina ny amin'ny heriny, izay nanavotany azy ireo tamin'ny fahavalony 43 raha nanatanteraka ireo famantarany mampihorohoro tany Egypta sy ireo fahagagany tany amin'ny faritanin'i Zoana Izy. 44 Navadiny ho rà ny onin'i Egypta mba tsy hahafahan'izy ireo misotro eo amin'ny reniranony. 45 Nandefa andian-dalitra izay nandevona azy ireo Izy ary sahona izay niely tamin'ny tanin'izy ireo. 46 Nomeny ny sompanga ny fambolen'izy ireo ary ny asany nomeny ny valala. 47 Nopotehiny tamin'ny havandra ny voalobok'izy ireo ary ny amontany tamin'ny havandra maro. 48 Nandraraka havandra tamin'ny biby fiompin'izy ireo sy varatra tamin'ny ondry aman'osiny Izy. 49 Nikapoka azy ireo ny firehetan'ny fahatezerany. Nandefa fahavinirana, hatezerana, ary fahoriana tahaka ny singa mitondra loza Izy. 50 Nanamarina ny lalana ho an'ny fahatezerany Izy; tsy niaro azy ireo tamin'ny fahafatesana Izy; fa kosa nanolotra azy ireo teo amin'ny areti-mandringana. 51 Namono ny lahimatoa rehetra tao Egypta Izy, ny voalohan-teraky ny herin'izy ireo tao an-dain'i Hama. 52 Nitondra ny olony nivoaka tahaka ny ondry Izy ary nitarika azy ireo tany an'efitra tahaka ny andian'ondry. 53 Nentiny am-pilaminana izy ireo ka tsy natahotra, fa ny ranomasina nandifotra ireo fahavalony. 54 Ary nitondra azy ireo tany amoron'ny tany masina Izy, tamin'izany tendrombohitra izay azon'ny tanany ankavanana izany. 55 Nandroaka ireo firenena teo anoloan'izy ireo Izy ary nanendry ireny ho lovany. Nametraka ireo fokon'Israely tao an-dain'izy ireo Izy. 56 Nefa niantsy sy nandà ilay Andriamanitra Avo Indrindra izy ireo ary tsy nitandrina ireo didy masiny. 57 Tsy nahatoky izy ireo ary nivadika tahaka ireo razany; nania tahaka ny tsipìka manjiona izy ireo. 58 Satria izy ireo nampatezitra Azy tamin'ny fitoerana avon'izy ireo ary nihantsy ny hasarotam-piarony tamin'ireo sampy. 59 Rehefa nahare izany Andriamanitra, dia tezitra sy nandà tanteraka an'Israely. 60 Nandao ny fitoerana masina tao Silo Izy, ilay lay izay nitoerany teo amin'ireo vahoaka. 61 Namela ny tanjany ho babo Izy, ary nanome ny voninahiny ho eo an-tanan'ny fahavalo. 62 Nanolotra ny olony ho amin'ny sabatra Izy, ary tezitra tamin'ny lovany. 63 Ny afo nandevona ireo zatovolahiny, ary ireo zatovovaviny tsy mba nanana hira fampakarana. 64 Lavon'ny sabatra ireo mpisorony, ary tsy naha-tomany ireo mpitondratenan'izy ireo. 65 Avy eo dia nifoha tahaka ny avy natory ny Tompo, tahaka ny mpiady miantsoantso nohon'ny divay. 66 Dia nandroaka ireo fahavalony Izy; ary nametraka azy ireo ho amin'ny henatra mandrakizay. 67 Nolaviny ny lain'i Josefa, ary tsy nisafidy ny fokon'i Efraima Izy. 68 Ny fokon'i Joda sy ny tendrombohitra Ziona tiany no nosafidiany. 69 Nanorina ny fitoerany masina tahaka ny lanitra izy, ary tahaka ny tany izay efa naoriny mandrakizay. 70 Nisafidy an'i Davida, mpanompony Izy, ary naka azy avy tany am-balan'ondry. 71 Naka azy avy tamin'ny fanarahana ireo ondry vavy mbamin'ny zanany Izy, ary nitondra azy ho mpiandry an'i Jakoba, vahoakany, sy an'Israely, lovany. 72 Niandry azy ireo tamin'ny fahitsian'ny fony i Davida, ary nitondra azy ireo tamin'ny fahaizan'ny tanany.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Ity dia maskila nosoratan'i Asafa." Jereo izay nandikana ny "salamo nataon'i Asafa" ao amin'ny 50:1.
Mety ho manondro karazana mozika izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 32:1.
"ahy raha mampianatra anao"
Ny teny "vava" dia sarinteny ho an'ilay olona miteny amin'izany. DH: "ireo teniko"
"hanokatra ny vavako ary hilaza fanoharana"
"hilaza." Jereo ny nandikana ny "mipololotra" ao amin'ny 19:1.
Raha toa ka misy teny ho fomba fiteny izay saro-takarina ara-kevitra amin'ny fiteninao, dia azonao ampiasaina eto izany.
Ny andininy 3 manohy ny fehezanteny nanomboka tamin'ny andiniiny 2.
"Hitantara ny momba ireny amin'ireo taranakay tokoa izahay"
"ireo zavatra nideranay an'i Yaveh"
"nametraka Yaveh"
Heviny hafa "teny vavolombelona" na "lalàna."
Ny mpanoratra miteny an'ireo "zanaka" amin'ny 78:5.
Izany dia mety ho sarinteny ho an'ny tsy fankatoavana ny fanekena (andininy 10), nefa tsara indrindra ny mandika izany ara-bakiteny.
"Ireo miaramila Efraimita"
Mety ho nanana tsipìka ireo miaramila. DH: "nanana tsipìka sy zana-tsipìka ho fitaovam-piadiana"
Ity dia manondro ny faritra manodidina ny tanànan'i Zoana, izay tany Egypta.
"Andriamanitra namaky"
Izany dia mety ho filaza masaka. DH: "rano misimisy kokoa mihoatra izay azon'izy ireo sotroina"
ony kely
Izy ireo naniry an'Andriamanitra hanaporofo fa afaka manao izay nolazainy hataony Izy mialohan'ny hinoan'izy ireo Azy.
"tamin'ny fony manontolo"
"mba hahafahan'izy ireo mihinam-be araka izay iriany"
Niteny ny Israelita
Azo adika ho fanambarana tsotra izany. DH: "Tsy mino izahay fa afaka mamelatra latabatra ho anay any an'efitra tokoa Andriamanitra!" na "Andriamanitra o, porofoy aminay fa afaka mamelatra latabatra ho anay any an'efitra tokoa Ianao!"
"mamatsy sakafo anay"
ranobe no nivoaka tampoka tao
Mihomehy an'Andriamanitra ny vahoaka mba hanamavoana Azy amin'ireo fanontaniana ireo. DH: "Nefa tsy hino izahay fa afaka manome anay mofo koa Izy na hamatsy hena ho an'ny vahoakany mandra-pahitanay Azy manao izany."
sakafo avy amin'ny zava-maniry na sakafo avy amin'ny biby. Izany dia fibangoana ireo karazan-kanina rehetra, ny mandika izany ara-bakiteny no tsara indrindra.
"satria tezitra Izy, dia namely an'Israely"
"tsy natoky azy hanavotra azy ireo"
Asafa miteny ny habakabaka toy ny hoe olona afaka mandre sy mankatò ireo didin'Andriamanitra. DH: "niteny tamin'ny habakabaka Izy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "habakabaka" na 2) "rahona"
Asafa miteny ny habakabaka toy ny hoe sompitra misy varavarana. DH: "nanokatra ny habakabaka toy ny sompitra"
Ireo andalana roa ireo milaza zava-nisy mitovy.
"Nampilatsaka mana avy any an-danitra tahaka ny ranon'orana Izy"
Izany dia milaza ny mana. "karazan-tsakafo mitovy amin'ny hanin'ny anjely"
"Andriamanitra nampitsoka"
"Nampilatsaka ny hena avy any an-danitra tahaka ny ranon'orana Izy, ary nisy betsaka tamin'izany nanarona ny tany tahaka ny vovoka"
vorona
Nisy vorona maro tsy tambo isaina.
"niriany fatratra"
raha mbola teny ambavan'izy ireo ny hanina (78:29)
"tezitra Andriamanitra ka namely azy ireo." Jereo izay nandikana ny "namely azy ireo ny hatezerany" ao amin'ny 78:21.
"namono"
Ny teny "asa" dia sarinteny ho an'Andriamanitra, izay nanao ireo asa. Izay tsy inoan'izy ireo dia azo ambara mazava tsara. DH: "tsy nino fa hiahy azy ireo Izy na dia nanao zava-mahagaga toy izany aza"
Ny mpanoratra manohy mitantara izay nataon'Andriamanitra ny Israelita.
"namono azy ireo raha mbola tanora"
Asafa miteny ny taona toy ny hoe fitoeran-jazavatra. DH: "nandeha ny taona fa mbola nanahy hatrany hatrany izy ireo"
Mangataka aminy izay nilain'izy ireo hatao mba hiarovana azy ireo.
Ireo dia olona samihafa avy amin'ireo izay nafohezin'Andriamanitra ny androny. Raha maty ny sasany amin'izy ireo, ny hafa kosa "nanomboka nikatsaka" an'Andriamanitra.
"nibebaka" na "nanenina tanteraka tamin'ny fahotany"
"mafy" na "tsara indrindra araka izay tratrany"
Ny mpanoratra mitantara izay nataon'ny Israelita.
"hahatsiaro." Jereo izay nandikana izany ao amin'yn 20:3.
Ny mpanoratra miteny momba an'Andriamanitra toy ny hoe havoana azo antoka izay azon'ny olona aleha amin'ireo fahavalony. DH: "Andriamanitra no ilay miaro azy ireo"
"ilay mamonjy azy ireo"
"milaza aminy fa mahagaga Izy kanefa izy ireo tsy nino izany akory"
Ny teny "vava" dia sarinteny ho an'ny teny nolazain'izy ireo amin'ny fampiasana ny vavany.
"tsy natoky Azy izy ireo" na "tsy marina taminy izy ireo"
"namela heloka azy ireo na dia nahavita asa ratsy azy izy ireo"
Asafa miteny ny hatezeran'Andriamanitra toy ny hoe olona tezitra izay hazonin'Andriamanitra amin'ny famelezana an'ilay nampatezitra azy. DH: "tsy nanafay azy ireo na dia tezitra taminy aza Izy"
Asafa miteny ny fahaviniran'Andriamanitra toy ny hoe olona te hatory izay navelan'Andriamanitra hatory ary tsy nifoha. DH: "tsy namela ny tenany ho tonga tezitra loatra amin'izy ireo"
Ny teny "nofo," izay malemy ary avy eo maty, dia sarinteny ho an'ny fahalemena sy fahafatesan'olombelona. DH: "ny Israelita dia malemy sy mety ho faty indray andro any"
"toerana tsy mety mamokatra na inona na inona"
Tian'izy ireo hoporofoin'Andriamanitra fa hainy atao izay nolazainy fa ho ataony mialohan'ny hinoan'izy ireo Azy. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 78:17.
Ny mpanoratra miteny ny fomba nanavotan'Andriamanitra ny Israelita.
tanàna iray any Egypta
Ny mpanoratra manoritsoritra izay nataon'Andriamanitra.
lalitra maro loatra ka toa rahona ny fijery azy
Nanao ireo Egyptiana ho tsy faly mihitsy ny lalitra raha nanaikitra azy ireo.
"namela ny sompanga hihinana ny fambolen'izy ireo rehetra ary namela ny valala hihinana izay rehetra niasany mafy mba hamokatra."
"nandehandeha teny rehetra teny"
Bibikely mpihinan-javamaitso misy tongo-dava ampiasaina hitsambikinana
Asafa miteny ny fambolena toy ny fanomezana izay nomen'Andriamanitra ny valala. DH: "Izy namela ny valala hihinana ny fambolen'izy ireo"
"nomeny ho an'ny valala ny asany." Asafa miteny ny asan'ny vahoaka toy ny hoe fanomezana izay nomen'Andriamanitra ny valala. Ny teny "asa" dia sarinteny ho an'ny fambolena izay namokaran'ny asan'izy ireo. DH: "namela ny valala hihinana ireo fambolena izay niasan'izy ireo mafy mba hamokatra Izy"
Ny mpanoratra manohy manoritsoritra izay nataon'Andriamanitra tamin'ireo Egyptiana.
hazo iray manome voa
tselatra izay mitondra kotroka mafy be
"Nitondra havandra Izy" na "Nahatonga ny havandra hilatsaka Izy"
Asafa manohy miteny ny fahaviniran'Andriamanitra toy ny hoe olona afaka mamely olona iray hafa. DH: "Tezitra tamin'izy ireo Izy, ka dia namely tampoka sy tamim-pahasiahana azy ireo"
"ny hatezerany mirehitra"
"namely azy ireo tamin'izy ireo tsy nahalala na inona na inona hitranga"
Asafa miteny ny fahavinirana, hatezerana, ary ,fahoriana toy ny hoe olona azon'Andriamanitra irahana hiasa ho Azy. DH: "Tezitra mafy Izy ka te hamely ny Egyptiana, mba hampahory azy ireo ka nitondra azy ireo ho amin'ny loza"
hatezerana izay mahatonga olona iray te hamono ny hafa
Ny mpanoratra manohy manoritsoritra izay nataon'Andriamanitra tamin'ireo Egyptiana.
Ny mpanao salamo miteny ny hatezerana toy ny hoe olona afa-mamindra novononin'i Yaveh hanafay ny vahoaka toy ny hoe Izy nanao lalambe mahitsy ho an'olona handehanana. DH: "tezitra mafy Izy ka nanao izay rehetra azony natao hamelezana azy ireo" na "toy ny hoe tafika iray ny hatezerany ka nanaovany lalana mahitsy hamindran'izany"
"tsy nihazona ireo Egyptiana ho faty Izy" na "tsy namela ireo Egyptiana ho velona Izy"
Asafa miteny ny areti-mandringana toy ny hoe olona izay nandeha namely ireo Egyptiana. DH: "nahatonga azy ireo ho marary mafin'ny areti-mandringana Izy"
"ny lahy manan-danja sy tsara indrindra an'izy ireo"
"tao amin'ireo fianakavian'i Egypta"
Ny mpanoratra manohy manoritsoritra izay nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakan'Israely.
Ny mpanoratra miteny momba ny Israelita toy ny hoe ondry. Izany midika fa niahy sy niaro ny vahoaka tahaka ny ataon'ny mpiandry ondry amin'ny ondriny Andriamanitra.
"nandrakotra tanteraka"
Ny mpanoratra manohy mamaritra izay nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakan'Israely.
Ny teny "tanana ankavanana" dia sarinteny ho an'ny hery. DH: "nandresy ho an'ny tenany Izy tamin'ny fampiasany ny heriny"
Ireo mety ho heviny dia 1) Andriamanitra nanendry ho lovan'ny Israelita ao amin'ny tany izay nonenan'ireo firenen-kafa fahizay na 2) Andriamanitra nanendry lova ho an'ireo firenena noroahiny any amin'ny tany hafa. "nanome azy ireo tany izay ho azy ireo foana"
Ireo mety ho heviny dia 1) nampitoetra an'Israely tao amin'ny lain'izy ireo tany amin'ny tany Izy na 2) nampitoetra an'Israely tao amin'ny lay izay nandroahany firenen-kafa Izy. Maro amin'ireo lay ireo no trano mihitsy, na tamin'ireo firenen-kafa nonina tao na ny Israelita. DH: "tany amin'ny fonenan'izy ireo"
Ny mpanoratra manohy mamaritra izay nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakan'Israely.
Ireo teny ireo dia saika midika zavatra mitovy. Ny mpanoratra mampiasa azy ireo mba hanamafisana fa tsy nino ny Israelita fa Andriamanitra no hamatsy ho azy ireo na hanafay ny ratsy araka izay nolazainy fa hataony.
Tian'izy ireo porofoin'Andriamanitra fa hainy atao izay nolazainy fa hataony mialohan'ny hinoan'izy ireo Azy. Jereo izay nandikanao izany hevitra izany ao amin'ny 78:17.
"nandà ny hankatò"
Ireo teny ireo dia saika nidika zavatra mitovy. Ny mpanoratra mampiasa azy ireo mba hanamafisana fa tsy nanao izay nolazain'izy ireo fa hataony ho an'Andriamanitra ny Israelita.
Ny mpanoratra manohy mamaritra izay nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakan'Israely.
Ireo andianteny roa ireo dia mifanindry lalana ary manana hevitra mitovy.
Ny mpanoratra manohy mamaritra izay nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakan'Israely.
Asafa miteny ny herin'Andriamanitra sy ny voninahiny toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona baboina sy tazomina. Ny teny "hery" sy "voninahitra" dia mety ho sarinteny ho fiaran'ny fanekena. Ny teny "tanana" dia sarinteny ho an'ny fahefan'ny fahavalo. DH: "Namela ireo fahavalony hambabo ny fiaran'ny fanekeny be voninahitra Izy; nomeny malalaka azy ireo izany mba hahafahan'izy ireo manao izay tiany amin'izany"
Ny mpanoratra manohy mamaritra izay nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakan'Israely.
Asafa miteny ny vahoakan'Andriamanitra toy ny hoe zavatra madinika azon'Andriamanitra atolotra ho fanomezana, ary ny sabatra, dia sarinteny ho an'ny fahafatesana amin'ny ady, toy ny hoe olona afaka mandray fanomezana. DH: "Namela ny olona hamono ny vahoakany any an'ady Izy"
"tezitra tamin'ny vahoakany izay efa nolazainy fa ho azy mandrakizay Izy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "Nampiasa afo hamonoana ny zatovolahin'izy ireo rehetra ny fahavalo" na 2) "Nalaky maty an'ady tahaka ahitra nodoran'ny afo ny zatovolahin'izy ireo." Aza mifampiresaka hoe nampiasa basy ireo olona ireo.
Ny "mandevona" dia mihinana faran'izay haingana ny zava-drehetra.
Ny fankalazana rehefa manambady ny olona
"Namono mpisorona Israelita maro tamin'ny sabatra ireo fahavalo"
Ireo mety ho heviny dia 1) nisy olona nanery ny mpitondratena tsy hitomany na 2) maro loatra ireo mpisorona maty ka tsy nisy intsony fotoana ho an'ny fandevenana ara-dalàna.
Vehivavy maty vady
"Izany dia tahaka ny hoe nifoha tamin'ny torimasony ny Tompo" (UDB)
Ireo mety ho heviny dia 1) toy ny mpiady iray avy nisotro divay be loatra ka tonga tezitra satria nofohazina izy ka te hiady 2) toy ny mpiady iray nisotro divay betsaka nefa afaka misaina tsara sy miady satria avy natory.
Ny mpanoratra manohy mamaritra izay nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakan'Israely.
"taranak'i Josefa"
Efraima dia zanaka lahin'i Josefa.
Ny tendrombohitra Ziona dia tany amin'ny tany izay nonenan'ny fokon'i Joda.
"avo, tahaka ny lanitra"
"mafy orina sy matanjaka, tahaka ny tany"
Ny mpanoratra manohy mamaritra izay nataon'Andriamanitra.
"avy amin'izay niasany tao am-balan'ondry"
toerana misy rindrina manodidina mba hiarovana ny ondry.
Ny teny "mpiandry" dia sarinteny ho an'izay mitarika sy miaro olona hafa. DH: "hitarika sy hiaro ny taranak'i Jakoba, vahoakany, sy an'Israely, lovany"
"Ireo izay nofidiany ho Azy mandrakizay" Jereo izay nandikana izany ao amin'ny 78:62.
Ny teny "niandry" dia sarinteny ho an'ny fitarihana sy fiarovana. DH: "Nitarika azy ireo sy niaro azy ireo Davida"
Salamo nataon'i Asafa. 1 Andriamanitra o, firenen-kafa no efa tonga eo amin'ny lovanao; efa voaloton'izy ireo ny tempolinao masina; efa nanao an' i Jerosalema ho antontam-pandravana izy ireo. 2 Efa nanome ireo fatin'ny mpanomponao ho sakafon'ny voron'ny habakabaka izy ireo, ny vatan'ireo olonao matoky ho an'ny bibin'ny tany. 3 Efa nalatsak'izy ireo toy ny rano manodidina an'i Jerosalema ny ràn'izy ireo, ary tsy nisy olona mba handevina azy ireo. 4 Tonga fahafaham-baraka ho an'ireo namanay izahay, eso sy fihomehezana ho an'ireo izay manodidina anay. 5 Mandra-pahoviana, ry Yaveh? Hijanona ho tezitra aminay mandrakizay ve Ianao? Mandra-paha rahoviana ny hatezeranao saro-piaro no handoro tahaka ny afo? 6 Arotsahy amin'ireo firenena izay tsy mahalala anao sy amin'ireo fanjakana tsy manao ny fiantsoana amin'ny anaranao ny fahatezeranao. 7 Fa efa nandevona an'i Jakoba sy nandrava ny tanànany izy ireo. 8 Aza mihazona ny fahotan'ireo razambenay hanohitra anay; aoka ny asan'ny famindram-ponao no ho tonga aminay, fa tena osa izahay. 9 Ampio izahay, ry Andriamanitry ny famonjenay, noho ny amin'ny voninahitry ny anaranao; vonjeo izahay ary mamelà ny helokay noho ny amin'ny anaranao. 10 Nahoana ireo firenena no tokony hiteny hoe: "Aiza ny Andriamanitr'izy ireo?" Aoka ny ràn'ny mpanomponao izay nalatsaka no hamaly faty ireo firenena eo anatrehan'ny masonao. 11 Aoka ny fisenton'ireo gadra no ho tonga eo anoloanao; amin'ny fahalehibeazan'ny fahefanao no hihazonana ireo zanaky ny fahafatesana ho velona. 12 Valio impito heny eo am-pofoan'ireo firenena akaiky anay mihoatra ny faniratsirana izay efa naniratsirany Anao, ry Tompo. 13 Fa izahay olonao sy ondry fiandrinao dia hanatitra fisaorana Anao mandrakizay. Hanambara fiderana Anao izahay amin'ireo taranaka rehetra.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Ity dia salamo nosoratan'i Asafa." Jereo izay nandikana izany ao amin'ny 50:1.
"ny tany izay natao ho Anao mandrakizay" Jereo ny nandikana izany ao amin'ny 68:9.
Ny teny "rà" dia sarinteny ho an'ny aina tsy manan-tsiny. Ny mandatsa-drà dia mamono olona tsy manan-tsiny. Maro ny olona no nahita rano isan'andro, ka dia toy ny rano koa ny rà, olona tsy manan-tsiny maro no tsy maintsy maty. DH: "Nahafaty olona tsy manan-tsiny marobe izy ireo ka miampatrampatra tahaka ny rano aorian'ny orana ny rà"
"tsy nisy mba handevina ny olona maty"
Ny teny "fandatsana," "fanesoana" sy "fihomehezana" dai sarinteny ho an'ireo izay latsaina, esoina sy ihomehezan'ny hafa. DH: "Tonga olona izay fandatsan'ireo namanay izahay; ireo manodidina maneso sy mihomehy anay"
Ny "izahay" dia manondro ny vahoakan'Andriamanitra.
Hehy mafy mba hampamenatra olona iray
Azo avadika ho fanambarana tsotra izany. DH: "Toa tsy hitsahatra handoro toy ny afo ny hatezeranao saropiaro"
Ny teny "hatezeranao saropiaro" dia miteny ny maha saropiaro sy tezitra an'Andriamanitra. DH: "no ho saropiaro sy tezitra Ianao"
Ity fampitahana ity dia mampitovy ny fanehoana ny hatezeran'Andriamanitra amin'ny afo izay manimba zavatra. DH: "hanimba anay"
Ireo andianteny roa ireo dia mifampizara hevitra mitovy ary ampiarahina ho fanamafisana.
Asafa miteny ny fahatezeran'Andriamanitra toy ny hoe rano. DH: "satria tezitra Ianao, dia faizo ireo firenena"
Ny teny "anarana" dia sarinteny ho an'ny hery sy fahefan'olona iray. DH: "tsy Anao" na "tsy mangataka Anao hanampy azy ireo"
Ny teny "Jakoba" dia sarinteny ilazana an'ireo taranany, dia ny vahoakan'Israely. DH: "efa namotika tanteraka ny vahoakan'Israely izy ireo"
"Aza mitohy mahatsiaro ireo fahotan'ireo razambenay sy manafay anay noho ny amin'izany" na "Avelao heloka izahay noho ny fahotan'ireo razambenay"
"tena malemy izahay"
Ny teny "famonjena" dia azo adika ho matoanteny "manavotra": "Andriamanitra manavotra anay"
Ny teny "anarana dia sarinteny ho an'ny lazany, ho an'izay fantatry ny vahoaka momba Azy. DH: "mba ahalalan'ny olona momba ny voninahitrao"
Ny anaran'Andriamanitra eto dia maneho ny tenany manontolo sy ny voninahitra mendrika Azy. DH: "mba hanomezan'ny olona voninahitra Anao" na "ho Anao manokana"
Azo adika ho fanambarana tsotra izany. DH: "Ireo firenena dia tsy tokony ho afaka milaza hoe: 'Aiza izay Andriamanitr'izy ireo?'"
Ity fanamavoana ity dia azo avadika ho fanambarana tsotra. DH: "Tsy afaka manao na inona na inona ny Andriamanitr'izy ireo!"
Ny mandatsa-drà dia sarinteny ho an'ny famonoana olona tsy manan-tsiny. DH: "Mamalia faty ho an'ireo mpanomponao tsy manan-tsiny izay novonoin'ireo firenena any amin'izay ahitanay Anao manao izany."
"eo imasonao" na "rehefa manatrika izahay"
Asafa miteny ny feo ataon'ny gadra anaty fanaintainana sy alahelo toy ny hoe olona izay miseho eo anatrehan'ny mpanjaka iray. DH: "Henoy tsara ireo fisenton'ireo gadra ka ampio izy ireny"
"Ireo izay nomelohina ho faty"
Asafa miteny ny asa ratsy izay nataon'ireo firenena manodidina tamin'Israely ho "faniratsirana," ary toy ny hoe zavatra hita maso. Nangataka tamin'ny Tompo izy ny hanisany ireny asa ireny, ary ho an'ny tsirairay izay nahavitan'ireo firenena manodidina, dia mangataka amin'ny Tompo izy ny mba hisiana olona hanisy asa ratsy amin'ireo firenena manodidina.
"Averina"
Eo ambony lohaliny sy feny rehefa mipetraka izy ireo. Izany dia sarinteny ho an'ny "mahitsy sy manokana"
Ny teny "ondry" dia sarinteny ho an'ny olona tsy manan-kery izay arovan'ny mpiandry sy tarihany. DH: "izahay vahoakanao, izay arovanao sy tarihanao, dia hisaotra Anao"
"alao antoka fa mahalala ireo zava-tsoa nataonao ny taranaka ho avy rehetra"
Izany dia sarinteny ho an'ny "zava-tsoa izay hideran'ny olona Anao"
Ho an'ny mpiventy hira, natao tamin'ny fomban'i Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon'i Asafa. 1 Mihainoa, ry mpiandry ny Israely, Ianao izay mitarika an'i Josefa ho toy ny andian'ondry; Ianao izay mipetraka eo ambonin'ny Kerobima, mamirapirata eo aminay! 2 Eo imason'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ampiharo ny fahefanao; tongava ka vonjeo izahay. 3 Andriamanitra o, ampodio izahay; ampamirapirato aminay ny tavanao, dia ho voavonjy izahay. 4 Ry Yaveh Andriamanitra tompon'ny maro, mandra-pahoviana Ianao no ho tezitra amin'ny olonao raha mivavaka izy ireo? 5 Ianao efa namahana azy ireo tamin'ny mofon-dranomaso ary nanome azy ireo ranomaso be dia be hosotroiny. 6 Manao anay ho zavatra hifandirana ho an'ny namanay aminay Ianao, ary ny fahavalonay mihomehy ny momba anay eo amin'izy ireo. 7 Ry Andriamanitra tompon'ny maro o, ampodio izahay; ampamirapirato aminay ny tavanao, dia ho voavonjy izahay. 8 Ianao nitondra voaloboka avy any Egypta; ka nandroaka ireo firenena sy namboly izany. 9 Nanadio ny tany ho amin'izany Ianao; nitombo faka izany ka nameno ny tany. 10 Ireo tendrombohitra dia voarakotry ny alokalony, ireo Sederan'Andriamanitra alofan'ny sampany. 11 Naparitany hatrany amin'ny ranomasina ireo sampany ary ny sakeliny tamin'ny Ony Efroata. 12 Nahoana no noravanao ny mandany mba hiotazan'ireo mandalo rehetra ny voany. 13 Ireo lambo avy any an'ala manimba izany, ary ny bibin'ny saha mihinana izany. 14 Miverena, ry Andriamanitry tompon'ny maro; tsinjovy avy eny an-danitra ka hevero sy karakarao ity voaloboka ity. 15 Ity no faka izay novolen'ny tananao ankavanana, ny sampany izay nampanirinao. 16 Nodorana izany ary voakapa; maty nohon'ny fibedesanao izy ireo. 17 Ny tananao anie ho eo amin'ny olon'ny tananao ankavanana, ho eo amin'ny zanaky ny olona izay nampaherezinao ho Anao. 18 Dia tsy hiala Aminao izahay; velomy indray izahay, dia hiantso ny anaranao. 19 Ry Yaveh Andriamanitra tompon'ny maro, ampodio izahay, ampamirapirato aminay ny tavanao, dia ho voavonjy izahay.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana" Jereo izay nandikana izany ao amin'ny 4:1
Mety ho manondro karazana mozika izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 45:1.
"Ity dia salamo nosoratan'i Asafa." Jereo izay nandikana izany ao amin'ny 50:1.
Asafa manondro an'Andriamanitra toa ilay mitarika sy miaro an'Israely.
"Ianao izay mitarika ny taranak'i Josefa toy ny ondry aman'osy"
Eto Josefa maneho ny firenen'Israely.
Ny takotra na saron'ny fiaran'ny fanekena ao an-tempoly, dia mariky ny seza fiandrianana izay nanapahan'Andriamanitra an'Israely, dia nisy kerobima volamena naraikitra taminy, samy nisy ny andaniny roa, ary nifampitodika.
Asafa miteny an'Andriamanitra toy ny hoe masoandro, manome hazavana, izay sarinteny ho an'ny fahatsarana ara-moraly. DH: "manomeza hazavana aty aminay" na "asehoy anay ny lala-marina mba hiainanay"
Ny teny "ampiharo" midika "manaova asa."
Ny mpanoratra miteny an'i Yaveh miasa amim-pankasitrahana amin'izy ireo toy ny hoe namirapiratra taminy ny tavan'i Yaveh. DH: "miasà amim-pankasitrahana aminay"
Israely
Ny teny "mofon-dranomaso" sy "ranomaso hosotroina" dia sarinteny ho an'ny ny alahelo lavareny. DH: "Ianao efa naka toky fa tena nalahelo hatrany izy ireo"
Asafa miteny avy amin'ny vahoakan'Israely. Manomboka ao amin'ny andininy 8 izy dia miteny ny fomba ametran'Andriamanitra an'Israely any amin'ny taniny toy ny hoe Andriamanitra no lehilahy manadio ny tany mba hamboly voaloboka. Raha ilainao ny mandika ny hevitry ny tantara fa tsy ny tantara fotsiny ihany, dia jereo ny nandikana izany ao amin'ny UDB.
Ny mpanoratra miteny an'i Yaveh miasa amin-tsitraka amin'izy ireo toy ny hoe namirapiratra tamin'izy ireo ny tavan'i Yaveh. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 80:1. DH: "miasà amim-pankasitrahana aminay"
Asafa mampitaha ny firenen'Israely amin'ny voaloboka novononina amin'ny fambolena. DH: "Ianao nitondra anay, tahaka ny voaloboka, nivoaka an'i Egypta"
Ny mpanao salamo miteny ny vahoakany toy ny hoe zava-maniry izay novolen'i Yaveh. DH: "nandroaka firenena tamin'ny taniny Ianao ka nanome izany ho anay, ilay voaloboka, sy namboly anay tany"
Asafa manohy miteny ny fomba nametrahan'Andriamanitra ny Israely tany amin'ny taniny toy ny hoe Andriamanitra no lehilahy nanadio ny tany mba hambolena voaloboka. Raha ilaina ny mandika ny hevitry ny tantara mihoatra ny tantara fotsiny ihany, dia jereo izay nandikan'ny UDB izany.
"Nanadio ny tany ho an'ny voaloboka Ianao"
"nitombo faka ny voaloboka" na "nanomboka nitombo ny voaloboka"
"nanarona ny tany ny sampany"
"ary rakotry ny sampany ireo sederan'Andriamanitra," izay maka tahaka ny matoanteny avy amin'ny fehezanteny teo aloha.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Ny hazo sedera avo indrindra," ny hazo sedera izay maniry any an-"tendrombohitra" any amin'ny tanin'i Libanona avaratr'Israely, na 2) "ireo hazo sederan'Andriamanitra manokana."
Ny ranomasina Mediteraneana any andrefan'Israely
ny ampahany amin'ny zava-maniry vaovao izay vao manomboka mitombo avy ao anaty tany
Asafa manohy miteny ny fomba nametrahan'Andriamanitra ny Israely tany amin'ny taniny toy ny hoe Andriamanitra no lehilahy nanadio ny tany mba hambolena voaloboka. Raha ilaina ny mandika ny hevitry ny tantara mihoatra ny tantara fotsiny ihany, dia jereo izay nandikan'ny UDB izany.
rindrim-bato, fa tsy hazo
kisoadia izay mandrava fambolena sy fiompiana ka mamely olona. Raha toa tsy mahalala hoe inona izany ny mpamakinao, dia mampiasà teny ho an'ny bibidia izay manimba fambolena sy fiompiana ka mamely olona
tany izay misy hazo marobe
Karazam-bibidia rehetra
tany izay misy zava-maniry marobe fa tsy misy hazo
Asafa manohy miteny ny fomba nametrahan'Andriamanitra ny Israely tany amin'ny taniny toy ny hoe Andriamanitra no lehilahy nanadio ny tany mba hambolena voaloboka. Raha ilaina ny mandika ny hevitry ny tantara mihoatra ny tantara fotsiny ihany, dia jereo izay nandikan'ny UDB izany.
"Miverena aminay" na "Tongava ka vonjeo indray izahay"
"ary jereo"
Ny mpanoratra manohy mampitaha ny firenen'Israely amin'ny voaloboka.
Ny tanana ankavanana dia maneho ny fahefan'i Yaveh sy ny fandindiany. DH: "Ity no faka izay Ianao, Yaveh, no namboly azy"
ny ampahany amin'ny zava-maniry vaovao izay vao manomboka mitombo avy ao anaty tany. Jereo ny nandikana izany ao amin'ny 80:9.
Ireo mety ho heviny dia 1) "ringana noho ny fandatsanao ny vahoakanao" na 2) "ho ringana anie ireo fahavalonao noho ny fibedesanao!"
Izany dia manondro ny fahefan'i Yaveh sy ny fandidiany.
Ny firenen'Israely, izay nofidian'i Yaveh ho vahoakany.
Rehefa te hanome voninahitra lehilahy hafa ny lehilahy iray ao Israely, dia nataony mijoro teo an-tanany izany lehilahy izany, akaikin'ny tanany ankavanana.
"tsy hitsahatra hanompo sy hankatò Anao izahay" na "hanompo sy hankatò Anao lalandava izahay"
Ny mpanoratra miteny an'i Yaveh miasa amim-pankasitrahana amin'izy ireo toy ny hoe namirapiratra taminy toy ny hazavana ny tavan'i Yaveh. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 80:1. DH: "miasà amim-pankasitrahana aminay"
Ho an'ny mpiventy hira; atao amin'ny fomba Gitita. Salamo nataon'i Asafa. 1 Mihirà mafy ho an'Andriamanitra herintsika; miantsoa mafy amin'ny hafaliana ho an'ilay Anandriamanitr'i Jakoba. 2 Venteso ny hira ary velezo ny ampongatapaka, ny lokanga mahafinaritra mbamin'ny valiha. 3 Tsofy ny tandrok'anjomara amin'ny andron'ny volana vaovao, amin'ny andron'ny volana fenomanana, rehefa miantomboka ny andro firavoravoantsika. 4 Fa lalàna ho an'Israely izany, didy nomen'Andriamanitr'i Jakoba. 5 Navoakany ho fitsipika ao amin'i Josefa izany rehefa nandeha nanohitra ny tany Egypta izy, rehefa nandrenesako feo izay tsy fatatro: 6 Nesoriko ny enta-mavesatra teo an-tsorony, afaka tamin'ny fihazonana sobika ny tanany. 7 Niantso mafy tao anatin'ny alahelonao ianao, dia namonjy anao Aho; namaly anao tamin'ny kotro-drahona maizina Aho. Nitsapa anao tao amin'ny ranon'i Meriba Aho. Sela 8 Mihainoa, ry vahoakako, fa hampitandrina anareo aho, ry Israely, raha mba nihaino Ahy mantsy ianareo! 9 Tsy tokony hisy andriamani-kafa eo aminareo; tsy mahazo manompo andriamani-kafa ianareo. 10 Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo niala avy tany amin'ny tany Egypta. Sokafy midanadana ny vavanareo, dia hameno izany Aho. 11 Saingy tsy nihaino ny teniko ny oloko, tsy nankatò Ahy ny Israely. 12 Koa dia natolotro teo amin'ny hamafisan-dohan'izy ireo ihany izy ireo mba hahafahany manao izay hitany fa mety aminy. 13 Indrisy, raha mba mihaino ahy ny oloko; indrisy, raha mba andeha tamin'ny lalako ny oloko. 14 Dia haringako faingana ny fahavalon'izy ireo ary ahinjitro hanohitra ny mpampahory azy ireo ny tanako. 15 Enga anie ireo izay manakahala an'i Yaveh hiankohoka amin-tahotra eo anatrehany! 16 Ho menatra mandrakizay anie izy ireo. Ho fahanako vary tsara indrindra ny Israely; homeko fahafaham-po amin'ny tantely avy amin'ny vatolampy ianareo."
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Salamon'i Asafa.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Mety ho manondro karazana mozika izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 8:1.
"Ity dia salamo nosoratan'i Asafa"
Ny anarana "hery" dia azo avadika ho "matanjaka." DH: "Andriamanitra izay mampatanjaka antsika"
Eto "Jakoba" maneho an'ireo taranany rehetra. DH: "ilay Andriamanitr'Israely, ny firenen'ny taranak'i Jakoba"
zava-maneno ireo.
zava-maneno misy lohany tahaka ny amponga izay azo velezina sy misy vy kely manodidina ny sisiny ka maneno rehefa ahetsika ilay zava-maneno.
Io no fiandohan'ny volana tsinam-bolana.
Io no fisasahan'ny volana tsinam-bolana.
"Ary amin'ny andro izay hanombohan'ny firavoravoantsika"
Eto ny "izany" dia manondro ny andro firavoravoana.
Eto "Jakoba" dia maneho ny taranany rehetra. DH: "Andriamanitr'Israely, ny firenen'ireo taranak'i Jakoba"
"nanome izany ho lalàna"
Eto "Josefa" dia maneho ny Israelita manontolo. DH: "ho an'ny Israelita"
Izany dia manondro zava-nisy ara-tantara tany Egypta tamin'ny vahoakan'Israely nandevozina sy navotan'Andriamanitra.
Eto ny "tany" dia maneho ny vahoaka. DH: "ny vahoakan'i Egypta"
Manomboka miteny Andriamanitra eto.
Eto "ny enta-mavesatra teo an-tsorony" dia maneho ny asa an-terivozona tsy maintsy nataon'ny vahoakan'Israely amin'ny maha andevo tany Egypta.
Eto ny "fihazonana ny sobika" dia maneho ny asa an-terivozona tsy maintsy nataon'ny vahoakan'Israely amin'ny maha andevo tany Egypta.
"tao anatin'ny fijalianao mafy"
Rehefa tonga tamin'ny Israelita Andriamanitra, dia nanafina ny fahafenoan'ny fanatrehany sy ny voninahiny tanaty aizina sy rahona mampahatahotra.
Andriamanitra nitsapa ny zanak'Israely mba hizahana raha natoky Azy hamatsy rano any an-tany efitr'i Meriba izy ireo.
Yaveh mampatsiahy ny vahoaka izay nolazainy raha mbola tany an-tany efitra izy ireo.
"nefa tsy maintsy manomboka mihaino Ahy ianareo!"
Andriamanitra mikarakara ny filàna rehetra an'ny vahoaka dia lazaina toy ny hoe Izy no reny vorona mamahana ny zanany.
Izao Yaveh dia mitantara ny tena zava-nisy taorian'ny nampitandremany ny vahoaka.
Eto ny "teny" dia maneho izay nolazain'Andriamanitra. DH: "izay nolazaiko" na "ahy"
Andriamanitra mamela ny vahoaka hijanona ho mafiloha dia lzaiana toy ny hoe Andriamanitra nanome azy ireo ho amin'ny fahavalo mba hamelezan'ny fahavalo azy ireo. DH: "Noho izany, Izaho hamela azy ireo ho mafiloha"
Andriamanitra te hahatonga ny vahoaka hankatò Azy dia lazaina toy ny hoe tiany handeha amin'ny lalany na ny arabeny ny vahoaka. DH: "Maniry azy ireo hankatò ny lalàko Aho"
Eto ny "tanana" dia maneho ny fahefan'i Yaveh. DH: "nandringana Aho" na "nandavo Aho"
"izay mankahala Ahy ... eo anatrehako"
"ho lavo amin-tahotra"
Andriamanitra mahatonga ny ny vary tsara indrindra hitsiry any Israely dia lazaina toy ny hoe namahana vary ny vahoaka ara-bakiteny mihitsy Izy. DH: "Hamela ny Israelita hihinana ny vary tsara indrindra Aho"
Ny "Israely" sy "ianareo" dia manondro ny Israelita.
Izany dia manondro ny tantely dia. Ny tantely manorina ny tohotra anaty lava-bato ary manamboatra ny ranon-tantely ao.
Salamo nataon'i Asafa. 1 Andriamanitra dia ao amin'ny fiangonana masina; eo afovoan'ireo andriamanitra izay omeny fitsarana. 2 Mandra-pahoviana no hitsaranareo tsy ara-drariny sy haneho fiangarana amin'ny ratsy fanahy? Sela 3 Arovy ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo. 4 Vonjeo ny mahantra sy ny ory; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy ireny. 5 Tsy nahalala na nahatakatra akory izy ireo; nirenireny tao anaty aizina izy ireo; nirodana avokoa ireo fiorenan'ny tany rehetra." 6 Hoy aho hoe: "Ianareo no andrimanitra, ary ianareo rehetra dia zanaky ny Avo Indrindra. 7 Na izany aza dia ho faty tahaka ny olona sy ho lavo tahaka ny iray amin'ireo andriana ihany ianareo." 8 'Mitsangàna, Andriamanitra o, tsarao ny tany, fa manana lova amin'ny firenena rehetra Ianao.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Ity dia salamo nosoratan'i Asafa"
"ny fipetrahana masina" na "ny fihaonana any an-danitra"
"omeny fitsarana." Ny anarana "fitsarana" dia azo avadika ho matoanteny. DH: "tsarainy"
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo dia fanahy hafa monina any an-danitra. DH: "ireo masina" na "ireo mpitsara masina" na 2) ireo dia olombelona mpitsara izay notendren'Andriamanitra. Ireo heviny roa ireo akory tsy midika fa andriamanitra tahaka an'i Yaveh izy ireo. Izany midika fa Andriamanitra nanome hery sy fahefana lehibe ho azy ireo. DH: "ireo mpanapaka"
Yaveh mampiasa fanontaniana mba hibedesana ireo andriamanitra amin'ny tsy fitsarana ny olona ara-drariny.
Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany.
Eto "ny mahantra" sy "kamboty" dia mpamaritra anarana. Azo avadika ho mpamaritoetra ireo. DH: "Ireo izay mahantra sy ireo izay kamboty"
"manao izay marina ho an'ny"
Eto "ny ory" sy ny "malahelo" dia mpamaritra anarana. Azo avadika ho mpamaritoetra ireo. DH: "Ireo izay mijaly sy ireo izay tsy manana na inona na inona"
Ireo dia mpamaritra anarana. Azo avadika ho mpamaritoetra ireo. DH: "Ireo izay mahantra sy ireo izay sahirana ... ireo izay ratsy fanahy"
Eto ny teny "tanana" dia maneho fahefana na fanapahana. DH: "atsaharo amin'ny famelezana azy ireny ny olona ratsy fanahy"
Ireo mety ho heviny dia 1) manondro an'ireo andriamanitra na 2) manondro ny olona ratsy fanahy.
Ny fanaovana izay ratsy dia lazaina toy ny hoe mandehandeha eny amin'ny toerana tena maizina.
Ireo andriamanitra manimba ny fandaharana izay nampitoerin'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe nanozongozona ny tany ireo andriamanitra ary nanenjera izany.
"nianjera"
Eto ny "andriamanitra" dia manondro vondron'olona mitovy amin'ny ao amin'ny 82:1. Na manondro ara-panahy izany na olombelona, dia tsy andriamanitra tahaka an'i Yaveh mihitsy, ary tsy zanany ara-bakiteny izy ireo. Amin'ny fiantsoana azy ireo "andriamanitra" sy "zanaky ny Avo Indrindra," dia miaiky Yaveh fa nanome azy ireo hery sy fahefana lehibe.
Yaveh miteny ny tenany ho "ny Avo Indrindra."
"Kanefa"
Izany no fomba fiteny olona iray andalam-pahafatesana.
Ny mpanoratra indray no miteny.
Eto ny "tany" dia maneho ny olombelona. DH: "tsarao ny olombelona eto an-tany"
"fa lovana avokoa ireo firenena rehetra." Yaveh maka ny olombelona rehetra ho Azy sy manapaka eo amin'izy ireo dia lazaina toy ny hoe fananana izay nolovainy ireo firenena. DH: "fa Ianao manjaka eo amin'ny olombelona rehetra amin'ny firenena rehetra"
Eto ny "firenena" dia maneho ny vahoakan'ireo firenena.
Tonon-kira. Salamo nataon'i Asafa. 1 Andriamanitra o, aza mangina! Aza manao tsinontsinona anay ary mitoera fa aza mamitsaka, Andriamanitra o. 2 Indro, manao fikomiana ireo fahavalonao, ary ireo izay mankahala anao dia efa nampitraka ny lohany. 3 Mitetika hanohitra ny olonao izy ireo ary niara-nikasa ny hanohitra ireo voaaronao. 4 Efa niteny izy ireo hoe: "Avia, ary andeha isika hamotika azy ireo toy ny firenena iray. Ary dia tsy ho tsaroana intsony ny anaran'Israely." 5 Dia niara nitetika paik'ady iray izy ireo; ka nikambana hanohitra Anao. 6 Isan'izany ireo lain'i Edoma sy ny Ismaelita, ary ny vahoakan'i Moaba sy ireo Hagrita, izay niara-niteti-dratsy tamin'i 7 Gebala, Amona, Amaleka; ary isan'izany koa Filistia sy ireo mponin'ny Tyro. 8 Nikambana tamin'izy ireo ihany koa Asyria; manampy ny taranak'i Lota izy ireo. Sela 9 Ataovy amin'izy ireo tahaka ny nataonao tamin'i Mediana, ary tahaka ny nantaonao tamin'i Sisera sy tamin'i Jabina tao amin'ny ony Kisona. 10 Maty tany En-doro izy ireo ary lasa tahaka ny zezika ho an'ny tany. 11 Ataovy tahaka an'i Oreba sy Zeba ny mpanapak'izy ireo, ary tahaka an'i Zeba sy Zalmona ny andrian'izy ireo rehetra. 12 Hoy izy ireo hoe: "Andeha alaintsika ho antsika ny tany fihinanam-bilon'Andriamanitra." 13 Andriamanitro o, ataovy tahaka ny tadio, tahaka ny akofa eo anoloan'ny rivotra, 14 tahaka ny afo izay mandoro ny ala, ary tahaka ny lelan'afo izay mampirehitra ireo tendrombohitra izy ireo. 15 Hazao amin'ny rivo-maherinao izy ireo, ary ampihorohoroy amin'ny tafio-drivotrao. 16 Fenoy henatra ny tavan'izy ireo mba hitadiavany ny anaranao, ry Yaveh. 17 Ho menatra sy hangorohoro mandrakizay anie izy ireo; ary ho faty anaty fahafaham-baraka. 18 Ary dia ho fantatr'izy ireo fa Ianao irery ihany, ry Yaveh, no ilay Avo Indrindra manerana ny tany rehetra.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Ity dia salamo nosoratan'i Asafa"
"ary tsy manao na inona na inona hamonjena anay"
Eto ny "fanaovana fikomiana" dia midika fa izy ireo mampirotaka sy mikomy. DH: "Indro, mikomy aminao ireo fahavalonao"
Ny andianteny "nampitraka ny lohany" dia fomba fiteny ilazana fa mikomy amin'Andriamanitra izy ireo. DH: "mihantsy Anao ireo izay mankahala Anao"
"Ireo izay arovanao." Manondro ny Israelita io.
Eto ny "anarana" dia manondro laza na fahatsiarovana olona iray. DH: "tsy hisy intsony hahatsiaro ny fisian'ny Israelita"
"niara nanaiky tetika iray ireo fahavalonao"
"niara-niangona hanohitra Anao izy ireo"
Ny mpanoratra manohy mitanisa ireo vondron'olona mitady hamotika an'Israely.
Izany dia manondro ny vahoakan'i Edoma izay nonina tanaty lay.
Izany dia anarana vondron'olona izay nonina tany amin'ny ilany atsinanan'ny ony Jordana.
Ireo rehetra iereo dia maneho vahoaka avy amin'ny faritra na foko tsirairay. DH: "ny vahoakan'i Gebala, ny Amonita, ny Amalekita ... ny Filistina"
Izany dia anarana toerana atsimon'ny ranomasina Maty.
Izany dia maneho ny vahoakan'i Asyria. DH: "ny vahoakan'i Asyria"
Izany dia manondro ny vahoakan'ireo firenen'i Moaba sy Amona. Azonao azavaina tsara ny fampahalalana efa azo.
Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 3:1.
Ny mpanoratra mangataka amin'Andriamanitra mba handavo ireo fahavalon'Israely tahaka ny nataony tany amin'ny lasa.
Eto ny "Mididana" dia maneho ny vahoakan'i Midiana. DH: "nataonao tamin'ny Midianita"
Ireo dia anaran-dehilahy. Jabina dia mpanjakan'i Hazora. Sisera dia mpifehy ny tafik'i Jabina.
Anarana ony any avaratr'Israely io.
Anaran-tanàna any avaratr'Israely io.
Izany dia midika fa tsy nalevina ny vatan'i SIsera sy Jabina fa navela ho lo.
Ny mpanoratra manohy mampatsiahy an'Andriamanitra amin'ireo fahavalo hafa efa nalavony ho an'Israely tany amin'ny lasa.
Ireo rehetra ireo dia anarana mpanjaka.
Eto ny "izy ireo" dia manondro an'i Oreba, Zeba, Zebaha ary Zalmona.
Izany dia milaza momba ny tany Israely toy ny hoe tany fihinanan'ny ondry ary Andriamanitra no mpiandry miambina izany.
Ny mpanoratra mampiasa fampitahana mba hamaritana ny famotehan'Andriamanitra tanteraka an'ireo fahavalon'Israely.
Ireo fanamabarana roa ireo dia miteny an'Andriamanitra mamotika ireo fahavalony toy ny hoe rivo-mahery mitsoka mora foana azy ireo.
Ireo Fanambarana roa ireo dia miteny ny famaizan'Andriamanitra toy ny hoe afo, ary ireo fahavalon'Andriamanitra no zavatra dorana anatin'ny afo.
Ireo fanambarana roa ireo dia mangataka an'Andriamanitra handrava ireo fahavalo amin'ny tafio-drivotra.
Eto ny "tava" dia manondro an'ilay olona manontolo. DH: "Ataovy menatra loatra izy ireo"
Eto ny "anarana" dia maneho ny fahefan'Andriamanitra. Ireo fahavalon'Andriamanitra miaiky fa mahery Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe izy ireo miezaka ny hitady an'i Yaveh. DH: "hahafahan'izy ireo miaiky fa mahery Ianao"
Ireo mety ho heviny dia 1) miaiky ireo fahavalon'Andriamanitra fa mahery Izy na 2) mangata-pamonjena amin'Andriamanitra ireo fahavalo na 3) manomboka manompo sy mankatò an'Andriamanitra ireo fahavalony.
"ho faty izy ireo rehefa afa-baraka"
Azo ambara ho manao fangatahana amin'Andriamanitra ny mpanoratra. DH: "hahatonga azy ireo hahalala" (UDB)
Andriamanitra manapaka ambonin'ny zava-drehetra ambonin'ny tany dia lazaina toy ny hoe nasandratra ambonin'ireo zavatra hafa. DH: "no avo indrindra, ary Ianao manjaka amin'ny zava-drehetra eto ambonin'ny tany"
Ho an'ny mpiventy hira; atao amin'ny fomba Gitita. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora. 1 Endrey ny hakanton'ny toerana izay hitoeranao, ry Yaveh tompon'ny maro! 2 Maniry fatratra ny kianjan'i Yaveh aho, efa nahareraka ahy ny faniriko izany. Ny foko sy ny momba ahy rehetra miantso mafy an'Andriamanitra velona. 3 Na ny fody aza efa nahita fonenana ho azy ary ny tsikirity nahita akany ho an'ny tenany mba hametrahany ny zanany eo akaikin'ireo alitaranao, ry Yaveh tompon'ny maro, mpanjakako, sy Andrimanitro. 4 Ho tahiana ireo izay mitoetra ao an-tranonao; ary hidera Anao hatrany izy ireo. Sela 5 Hotahiana anie ny olona izay mahery ao aminao, izay manana ny lalanam-be miakatra mankany Ziona ao am-pony. 6 Hahita loharano ho sotroina izy ireo, eny am-pamakivakiana ny Lohasahan-dRanomaso. Ny loha-orana handrako-pitahiana izany. [1]7 Avy miha-mahery am-pandehanana izy ireo; ny tsirairay amin'izy rehetra dia miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Ziona. 8 Yaveh Andriamanitra tompon'ny maro o, mandrenesa ny fivavako; ry Andriamanitr'i Jakoba o, henoy izay lazaiko! Sela 9 Andriamanitra o, ambeno ny ampinganay; manehoa fiahiana ho an'ny voahosotrao. 10 Fa ny andro iray ao an-kianajanao dia lehibe mihoatra ny arivo any an-kafa. Aleoko miandry ny varavaran'ny tranon'Andriamanitro, toy izay mitoetra ao an-dain'ny faharatsiana. 11 Fa Yaveh Andriamanitra no masoandro sy ampinga ho anay; hanome fahasoavana sy voninahitra Yaveh; tsy hihazona zavatra tsara avy amin'ireo izay mandeha amin'ny mahitsy izy. 12 Ry Yaveh tompon'ny maro o, sambatra ny olona izay mahatoky anao.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Mety ho manondro karazana mozika izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 8:1.
"Ity dia salamo nosoratan'ireo zanaka lahin'i Kora"
"Endrey ny hatsaran'ny"
"maniry mafy ny ho ao an-kianjan'i Yaveh aho"
Eto ny "kianja" dia maneho ny tempoly.
"nahaketraka ahy ny faniriako" na "reraka aho satria naniry fatratra izany"
Eto ny "fo" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "miantso mafy amin'ny tenako manontolo aho"
Izany dia midika fa Andriamanitra dia velona ary Izy ihany koa manana fahefana hanao ny zavatra hafa ho velona.
Ireo dia karazam-borona.
"nanao fonenana ho azy"
"mba hahafahany mametraka ny atodiny sy hiahiany ny zanany"
Ireo mety ho heviny dia 1) "izy ireo" dia manondro ireo mpisorona izay manompo maharitra ao an-tempoly na 2) "izy ireo" dia manondro ny vahoaka amin'ny ankapobeny izay tonga manompo ao an-tempoly.
"hatrany hatrany"
Eto ny "olona" dia miteny ny olona amin'ny ankapobeny.
Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe tena hita eny aminy ny hery. DH: "izay natanjahinao"
Ity fomba fiteny ity dia momba ny faniriana ao am-po. DH: "izay tia miakatra any Ziona" na "izay maniry fatratra ny hiakatra any Ziona"
"lalana lehibe"
Ny tempoly dia tany Jerosalema teo an-tampon'ny havoana avo indrindra, izay nantsoina hoe tendrombohitra Ziona.
Izany dia manondro toerana maina, sy karakaina. Misy amin'ireo dika-teny amin'ny Baiboly no "ny Lohasahan'i Baka." Ny teny "Baka" midika "fitomaniana."
Izany dia midika fa milatsaka amin'ny fahavaratra ny orana, mialoha ny vanim-potoan'ny hatsiaka. Mandritra ny volana Oktobra sy Novambra izany ao amin'ny tetiandro tandrefana.
"tobin-drano" (Jereo UDB)
Ity no fomba fiteny ilazana fa miha matanjaka izy ireo.
Eto ny "izy ireo" dia manondro an'ireo izay maniry fatratra hankany an-tempoly hanompo an'Andriamanitra.
Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 3:1.
Ny mpanjaka izay miaro ny vahoakany dia lazaina toy ny hoe izy no ampinga. DH: "Andriamanitra o, miambena ny mpanjakanay"
"Aleoko ao an-kianjanao iray andro toy izay any an-kafa arivo andro"
"1.000"
"mpiambina varavarana" na "mijoro eo am-baravarana"
Ity mpamaritra anarana ity dia azo adika ho mpamaritoetra. DH: "olona ratsy fanahy" na "ireo izay ratsy fanahy"
Yaveh izay mitarika sy miaro ny vahoakany dia lazaina toy ny hoe masoandro sy ampinga. DH: "Fa Yaveh Andriamanitra no mitarika antsika tahaka ny hazavana avy amin'ny masoandro, ary Izy miaro antsika tahaka ny ampinga"
Ny anarana "fahasoavana" sy "voninahitra" dia azo ambara ho matoanteny. DH: "Ho tso-po amintsika Yaveh ka hanome voninahitra antsika"
Ny fomba fizotram-piainan'ny olona iray na fitondran-tenany dia lazaina toy ny hoe mamindra ilay olona. DH: "izay miaina amim-pahamarinana" na "izay mahitsy"
Eto ny "olona" dia midika vahoaka amin'ny ankapobeny. DH: "sambatra ireo izay"
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora. 1 Yaveh o, efa naneho sitraka tamin'ny taninao Ianao; efa naverinao tamin'ny laoniny ny fifalian'i Jakoba. 2 Efa navelanao ny heloky ny olonao; efa nosaronanao ny otan'izy ireo rehetra. Sela 3 Efa nanala ny fahaviniranao Ianao; efa niala tamin'ny hatezerana mahamay ianao. 4 Ampodio izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay, ary aoka hiala aminay ny tsy fahafalianao. Ho tezitra aminay mandrakizay ve Ianao? 5 Hitoetra ho tezitra manerana ireo taranaka mandimby ho avy ve Ianao? 6 Tsy hamelona anay indray ve Ianao? Dia hifaly ao aminao ny vahoakanao. 7 Asehoy anay ny famindram-ponao, ry Yaveh, tanteraho aminay ny famonjenao. 8 Hihaino izay lazain'i Yaveh Andriamanitra aho, fa Izy hihavana amin'ny olony, sy ireo mpanara-dià mahatokiny. Ary tsy hiverina amin'ny lalan'ny fahadalàna indray izy ireo. 9 Ny famonjeny dia azo antoka fa eo akaikin'ireo izay matahotra Azy; ary hitoetra amin'ny taninay ny voninahitra. 10 Nihaona ny fifanekena mahatoky sy faha mendreham-pitokisana; efa nifanoroka ny fahamarinana sy fiadanana. 11 Miboiboika avy amin'ny tany ny fahamendreham-pitokisana, ary fahamarinana mitazana avy eny amin'ny lanitra. 12 Eny, Yaveh hanome ireo fitahiany tsara, ary hamokatra ny taninay. 13 Ny fahamarinana handeha eo anoloany, sady hanao lalana ho an'ny diany.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
"Ity dia salamo nosoratan'ireo zanaka lahin'i Kora."
Eto ny "tany" dia maneho ny firenena sy ny vahoakan'Israely.
Izany midika amin'olona iray fa faly, salama, sy ambinina izy.
Eto "Jakoba" dia maneho ny taranak'i Jakoba, ny Israelita.
Eto ny fahotana izay voavela dia lazaina toy ny hoe voasarona mba tsy ho hita. DH: "Efa ninia nanadino ny fahotan'izy ireo Ianao"
Ity mpanoratra ity dia nihevitra ny tenany ho fananan'ny vahoakan'Andriamanitra. DH: "ny fahotanay"
Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 3:1.
Andriamanitra tsy manafay ny Israelita intsony dia lazaina toy ny hoe zavatra izay azon'i Yaveh nesorina tamin'ny Israelita ny fahavinirana.
Andriamanitra tsy tezitra amin'ny Israelita intsony dia lazaina toy ny hoe afo izay nalàn'Andriamanitra ny hatezerana.
Ny anarana "famonjena" dia azo avadika ho matoanteny. DH: "Andriamanitra izay mamonjy anay"
Ny fangatahana amin'Andriamanitra hitsahatra amin'ny fahatezerana amin'ny Israelita dia lazaina toy ny hoe zavatra izay tian'ny mpanoratra hiala amin'Andriamanitra ny tsy fahafaliana.
Ny mpanoratra mampiasa ireo fanontaniana ireo mba hanamafisana fa managataka amin'Andriamanitra izy ny mba hitsaharana amin'ny hatezerana amin'izy ireo. Ireo fanontaniana fampisainana ireo dia azo avadika ho fanambarana tsotra. DH: "Aza mba tezitra aminay mandrakizay re."
Ny mpanoratra mampiasa fanontaniana mba hanamafisana ny fangatahany amin'Andriamanitra hanao ny vahoakan'Israely ho ambinina sy ho faly indray. DH: "Mba ambino indray re izahay." Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo avadika ho fanambarana tsotra.
Ny anarana famonjena dia azo avadika ho matoanteny. DH: "amin'ny famonjena anay"
"hanana fifandraisana tsara amin'ny vahoakany" na "hitondra fiadanana ho an'ny vahoakany"
Ny olona iray manova ny fomba fitondran-tenany dai lzaiana toy ny hoe izy mivily amin'ny tondro lalana hafa mihitsy. DH: "Nefa aoka izy ireo tsy hanao fahadalàna indray"
Andriamanitra vonona hanavotra olona iray dia lazaina toy ny hoe zavatra izay napetrak'Andriamanitra akaikin'olona iray ny famonjena. DH: "Vonona hanavotra ireo izay matahotra Azy tokoa Andriamanitra"
Eto ny "voninahitra" dia maneho ny fanatrehan'Andriamanitra. DH: "dia hitoetra ao an-taninay ny fanatrehanao be voninahitra"
Ireo mety ho heviny dia 1) Andriamanitra ho mahatoky noho ny fanekeny ary manao izay nampanantenainy na 2) Andriamanitra ho mahatoky noho ny fankeny ary hamaly fahatokiana aminy ny olona. Ireo hevitra roa fahatokiana sy fahamendrehampitokisana dia lazaina toy ny hoe olombelona izay nihaona.
Ny mety indrindra dia mamaritra fotoana any amin'ny hoavy ny mpilaza rehefa hanao ny olona ho ambinina indray Andriamanitra. DH: "hihaona ... hifanoroka"
Ireo mety ho heviny dia 1)ny vahoaka hanao izay marina ary Andriamanitra hanao ny olona hiaina amim-piadanana na 2) Andriamanitra hanao izay marina ary hanao ny olona hiaina amim-piadanana. Na ny fahamarinana na fiadanana dia lazaina toy ny hoe olombelona mifanoroka.
Izany no fomba iraisana ho an'ny mpisakaiza hifampiarahabana.
Ny vahoaka ety ambonin'ny tany mahatoky amin'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe fahamendrehampitokisana no zava-maniry mitsiry amin'ny tany. DH: "Eto ambonin'ny tany, izahay no ho mahatoky amin'Andriamanitra" (UDB)
Ny mpanoratra mamritra ny fahamarinana toy ny olona iray mijery ambany tahaka ny ataon'Andriamanitra. DH: "Andriamanitra hitazana anay amin-tsitraka ary hanome anay fandresena"
Andriamanitra manao izay marina na aiza na aiza alehany dia lazaina toy ny hoe olona iray mandeha eo alohan'Andriamanitra ny fahamarinana ka manomana lalana hodiavin'Andriamanitra.
Eto ny "dia" dia maneho izay andehanan'Andriamanitra.
Vavaka nataon'i Davida. 1 Mihainoa, ry Yaveh, ary mamalia ahy, fa mahantra sy mijaly aho. 2 Arovy aho, fa tsy mpivadika; ry Andriamanitro, vonjeo ny mpanomponao izay mitoky aminao. 3 Mamindrà fo amiko, ry Tompo, fa mitomany mafy aminao amin'ny andro lava rehetra aho. 4 Ampifalio ny mpanomponao, fa aminao no hivavahako, ry Tompo. 5 Tsara, Ianao, ry Tompo, ary vonona hamela heloka, ary mampiseho famindram-po lehibe ho an'ireo izay mitaraina aminao Ianao. 6 Ry Yaveh, mihainoa ny fivavako; Mandrenesa ny feon'ny fangatahako. 7 Miantso Anao aho tamin'ny androm-pahoriako, dia hamaly ahy ianao. 8 Tsy misy na iray aza azo ampitahaina Aminao amin'ireo andriamanitra, ry Tompo. Tsy misy asa tahaka ireo asanao. 9 Ny firenena rehetra izay efa namboarinao dia ho tonga hiankohoka eo anatrehanao, ry Tompo. Dia hanome voninahitra ny anaranao izy ireo. 10 Fa lehibe Ianao ary manao zavatra mahatalanjona; Ianao irery no Andriamanitra. 11 Ampianaro ahy ireo lalanao, ry Yaveh. Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho. Ampiraiso ny foko mba hanehoako fanajana aminao. 12 Ry Tompo Andriamanitro o, hidera anao amin'ny foko manontolo aho; hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho. 13 Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; efa namonjy ny aiko tamin'ny halalin'ny Fiainan-tsy hita Ianao. 14 Andriamanitra o, efa nitsangana hanohitra ahy ny mpiavonavona. Ny andian'olona mahery setra mifofo ny aiko. Tsy mba mihevitra Anao izy ireo. 15 Fa Ianao, ry Tompo, Andriamanitra mpamindra fo sy be fahasoavana, mahari-po sady be famindram-po sy mendrim-pitokisana. 16 Itodiho aho ary manàna indra-fo amiko; omeo ny herinao ny mpanomponao; vonjeo ny zanaka lahin'ny ny mpanompovavinao. 17 Anehoy famantarana ny sitrakao aho. Ireo izay mankahala ahy dia hahita izany ary ho menatra satria Ianao, ry Yaveh, efa nanampy ahy sy nampionona ahy.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"malemy sy ory aho" (UDB)
Davida manondro ny tenany toy ny "mpanomponao," izany hoe, mpanompon'Andriamanitra. DH: "Avoty izaho, mpanomponao"
izany dia fanitarana. Tsy mitomany mafy andro lava ara-bakiteny akory Davida. Izany dia manamafy fa mitomany mafy hatrany izy. DH: "hatrany"
Davida manondro ny tenany ho "mpanomponao," izany hoe, mpanompon'Andriamanitra. DH: "Ampifalio aho, mpanomponao" na "Ampifalio aho"
Eto ny "andro" dia maneho fotoana ela kokoa. DH: "Mandritra ny fotoan-tsarotro"
"Mivavaka aminao aho"
Tsy miaiky ny fisian'ireo andriamani-kafa ireo ny mpanoratra. Izy akory tsy manondro andriamanitra diso izay tompoin'ny olona avy amin'ny firenen-kafa.
Eto "ny firenena" dia maneho ny vahoaka. DH: "Ny vahoaka avy amin'ny firenen-drehetra"
Eto ny "anarana" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "hanome voninahitra Anao izy ireo"
"zavatra tena soa izay mahatalanjona ahy"
"Ianao irery ihany no ilay Andriamanitra"
Olona iray izay mankatò izay tian'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe izy mandeha amin'ny lalana na araben'Andriamanitra. DH: "Ampianaro ahy ny fahamarinanao, ry Yaveh o. Dia hankatò izay lazainao aho"
Eto ny "fo" dia maneho ny fisainan'ny olona iray, ny fihetseham-pony, sy ny fihetsiny. Ny fangatahana amin'Andriamanitra hanao olona hanaja Azy tanteraka dia lazaina toy ny hoe nisaratsaraka ny fon'ilay olona ka ampiraisin'Andriamanitra. DH: "Aoka aho hanaja anao amin'ny foko rehetra" na "Aoka aho hanaja Anao amin-kitsimpo"
Eto ny "fo" dia maneho ny fihevitr'olona iray, ny fihetseham-pony , sy ny fihetsiny. DH: "Hidera Anao amin-kitsimpo tanteraka"
Eto ny "anarana" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "hanome voninahitra Anao aho"
Tsy midika akory izany fa namerina azy ho velona indray Andriamanitra taorian'ny fahafatesany. Izany midika fa nanavotra azy Andriamanitra tamin'izy efa ho faty.
Ity dia mpamaritra anarana izay azo avadika ho mpamaritoetra. DH: "olona mpirehareha"
"miara-tonga hanisy ratsy ahy"
Izany dia fomba ilazana fa mitady hamono azy izy ireo.
Andriamanitra mamindrafo sy marina foana dia lazaina toy ny hoe zavatra izay ananan'Andriamanitra betsaka ny famindrampo sy fahamarinana.
Ny fangatahana amin'Andriamanitra mba hihevitra azy dia lazaina toy ny hoe nila an'Andriamanitra hitodika sy hijery azy izy.
Ny anarana "hery" dia azo ambara ho matoanteny na mpoamaritoetra. DH: "herezo ny mpanomponao" na "atanjaho ny mpanomponao"
Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i kora; tonon-kira. 1 Eny an-tendrombohitra masina no mitsangana ny tanàna izay naoriny; 2 Tian'i Yaveh ny vavahadin'i Ziona mihoatra ny lain'i Jakoba rehetra. 3 Ambara aminao ny zava-mahagaga, ry tanànan'Andriamanitra. Sela 4 Tononiko amin'ireo mpanara-dia ahy Rahaba sy Babylona. Indro, indreto Filistia, sy Tyro, mbamin'i Etiopia— ka hanao hoe: 'Teraka tany ilay ity."' 5 Ny amin'i Ziona dia ho lazaina hoe: "Ny tsirairay tamin'izy ireo dia naterany; ary ny Avo indrindra mihitsy no hanorina azy." 6 Soratan'i Yaveh ao amin'ny bokin'ny fanisan'ny firenena hoe: "Teraka tany ilay ity." Sela 7 Koa ireo mpihira sy mpandihy hiara-hilaza hoe: "Ao aminao ny loharanoko rehetra."
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Ity dia salamo nosoratan'ireo zanaka lahin'i Kora"
Nonina tanaty lay ny vahoaka raha nirenireny tany an-tany efitra. Eto ny mpanoratra dia mampiasa "ny lain'i Jakoba" mba hanehoana izay onenan'ny Israelita izao. DH: "izay toeram-ponenan'ny Israelita hafa"
Eto ny "vavahadin'i Ziona" dia maneho ny tanànan'i Jerosalema manontolo. DH: "tanànan'i Jerosalema"
Ny mpanoratra miteny ny tanànan'i Jerosalema toy ny hoe nihaino azy. DH: "Ianareo ny vahoakan'i Jerosalema, dia misy olon-kafa milaza zava-mahagaga momba ny tanànanareo"
Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 3:1.
"Izaho milaza." Eto ny "izaho" dia manondro an'i Yaveh
Eto "Rahaba" dia fomba kanto anondroana an'i Egypta. Na "Rahaba" na "Babylona" dia maneho ny vahoaka. DH: "ny vahoakan'i Egypta sy Babylona"
"amin'ireo izay manompo Ahy"
Ny anaran'ireo firenena ireo dia maneho ny vahoaka. DH: "vahoaka avy any Filistia, Tyro, mbamin'ny vahoakan'i Etiopia"
"Ilay ity" dia manondro ny vahoaka avy amin'ireo firenena izay tononin'ny mpanoratra. Na dia tsy tena teraka tany Ziona azy izy ireo, dia tera-tany Jerosalema ara-panahy ireo izay manara-dia an'Andriamanitra.
Ny vahoakan'ireo firenen-kafa izay manompo an'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe teraka tany Jerosalema. DH: "Toy ny hoe teraka tany Jerosalema avokoa ireo vahoaka rehetra ireo"
Niraisana ny manondro ny tanàna ho "izy." DH: "tany Jerosalema" na "tany Ziona"
Ny mpanoratra manamafy fa ny Avo Indrindra no manao izany.
"hampatanjaka an'i Jerosalema"
Yaveh miaiky fa Azy ny vahoaka avy amin'ireo firenen-kafa dia lazaina toy ny hoe Izy no mpanjaka nanoratra ny anaran'ireo olona nonina tao amin'ny tanànany.
"Ilay ity" dia manondro ny vahoaka avy amin'ireo firenena izay tononin'ny mpanoratra. Na dia tsy tena teraka tany Ziona azy izy ireo, dia tera-tany Jerosalema ara-panahy ireo izay manara-dia an'Andriamanitra. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 87:4
Jerosalema izay toerana handraisan'ireo vahoaka fitahiana dia lazaina toy ny hoe Jerosalema no loharano mamatsy rano ho an'ny olona.
Tonon-kira, salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora; Ho an'ny mpiventy hira; atao amin'ny fomba Mahalata Leanota. Maskila nataon'i Hemana Ezraita. 1 Ry Yaveh, Andriamanitry ny famonjena ahy, hitomany mafy eo anatrehanao andro aman'alina aho. 2 Mihainoa ny fivavako; henoy ny fitarainako. 3 Fa feno fahorianana aho, fa nahatratra ny Fiainan-tsy hita ny aiko. 4 Ny olona mihevitra ahy toy ireo izay midina any an-davaka; lehilahy tsy mba manan-kery aho. 5 Navela niaraka tamin'ireo maty aho; izaho dia toy ny maty ao am-pasana, momban'izay tsy nirarahianao intsony satria nesorina niala tamin'ny herinao izy ireo. 6 Napetrakao tany amin'ny farany ambanin'ny lavaka, ao amin'ny aizina sy toerana lalina aho. 7 Mavesatra amiko ny fahatezeranao, ary mianjera eto amiko ny onjanao rehetra. Sela 8 Noho Ianao, dia mandositra ahy ireo akaiky ahy. Efa nataonao fijery manafitohina azy ireo aho. Voafandrika aho ary tsy afaka hitsoaka. 9 Mihareraky ny fahoriana ny masoko; hiantso Anao amin'ny andro lava rehetra aho, ry Yaveh, velariko ho anao ny tanako. 10 Hanao zava-mahagaga ho an'ny maty ve Ianao? Ireo izay efa maty ve hitsangana ary hidera Anao? Sela 11 Hambara ao am-pasana ve ny famindram-ponao, ary ny tsy fivadihanao any amin'ny toeran'ny maty? 12 Ho fantatra any amin'ny aizina ve ireo asa mahagaganao, na ny fahamarinanao any amin'ny toeran'ny fanadinoana? 13 Fa mitomany aminao aho, ry Yaveh; ho tonga eo anatrehanao ny fivavako nony maraina. 14 Ry Yaveh, nahoana aho no lavinao? Nahoana no afeninao amiko ny tavanao? 15 Efa nampahoriana foana aho ary saika tamin'ny fahafatesana ny fahatanorako. Nampijalian'ny horohoronao aho; dia mamoy fo. 16 Efa nandalo teo amiko ny fihetsika nentin-katezerana. Ary efa nandringana ahy ireo asa mampihorohoronao. 17 Nandifotra ahy toy ny rano amin'ny andro lava rehetra izy ireo; efa nanodidina ahy avokoa izy ireo. 18 Efa nalavirinao tamiko ny sakaiza sy ny akaiky ahy rehetra. Ary ny fahamaizinana ihany no hany akaiky ahy.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Ity dia salamo nosoratan'ireo zanaka lahin'i Kora"
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Mety ho manondro karazana mozika izany.
Mety ho manondro karazana mozika izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 32:1.
Anaran-dehilahy io.
Izany dia anaran'a vondron'olona. Mety ho manondro zanaka lahy na ny tarana k i Zerah izany.
Ny anarana "famonjena" dia azo ambara ho matoanteny. DH: "Ianao no Ilay manavotra ahy"
Ny mpanoratra mampiasa ireo teny mifanoha-kevitra ireo mba hilazana fa mitaraina mandrakariva izy.
Ny mpanoratra miteny ny tenany toy ny hoe fitoeran-javatra ary ny fahoriana no mameno ny fitoeran-javatra. DH: "Fa ory loatra aho"
Eto ny "fiainana" dia maneho ny mpanoratra. Ary ny "Fiainan-tsy hita" maneho ny fahafatesana. Ny mpanoratra miteny momba ny tenany mety ho faty tsy ho ela toy ny hoe toerana ny Fiainan-tsy hita ary tonga amin'izany toerana izany izy. DH: "efa mby ho faty aho"
Ny teny "lavaka" dia mitovy hevitra amin'ny "Fiainan-tsy hita." Ny andianteny "midina any an-davaka" dia maneho fahafatesana. DH: "Ny olona mihevitra ahy tahaka ny efa maty"
Ny olona mihevitra ny mpanoratra toy ny hoe efa maty dia lazaina toy ny hoe razana tsy nalevina izy. DH: "Navela irery toy ny efa maty aho"
Ny mpanoratra mahatsapa fa toy ny nafoin'ny olona sy nafoin'Andriamanitra dia miresaka ny momba azy toy ny hoe olona efa maty mitsotra anaty fasana.
Ny mpamaritra anarana "ny maty" dia azo avadika ho mpamaritoetra. DH: "ny olona maty mandry"
"izay tsy mahazo ny fiahianao intsony" na "olona izay nitsaharanao tamin'ny fiahiana"
Andriamanitra tsy mampiasa intsony ny heriny hanampiana ny olona efa maty dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra mihitsy no namongotra sy nanala azy tamin'ny heriny. DH: "tsy mampiasa ny herinao intsony Ianao hamonjena azy ireo"
Ny mpanoratra mahatsapa fa toy ny nahafoy azy Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra nametraka azy tanaty fasana lalina sy maizina indrindra.
Izany dia milaza momba an'Andriamanitra tezitra loatra toy ny hoe zavatra mavesatra eo ambonin'ny mpanoratra ny fahatezerana. DH: "Tsapako ny haben'ny hatezeranao" na "Tsapako loatra ny haben'ny hatezeranao amiko"
Izany dia milaza momba an'Andriamanitra tezitra loatra amin'ny mpanoratra toy ny hoe onja lehibe miainga avy amin'ny ranomasina ny hatezeran'Andriamanitra ka mitobaka mankany amin'ny mpanoratra.
Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 3:1.
"ireo izay mahalala ahy"
"Efa nataonao ho maharikoriko ny eo imason'izy ireo aho" na "Noho Ianao, dia tohina izy ireo rehefa mijery ahy"
Ny zava-manjo ara-batan'ny mpanoratra izay mahatonga azy ho mankaloiloy ireo namany dia lazaina toy ny hoe voageja anaty toerana tery izy. DH: "Toy ny hoe tao am-pigadrana aho" (UDB)
Eto ny "maso" dia maneho ny fahafahan'olona iray mijery. Ho an'ny masony mihareraky ny fahoriana dia fomba filaza fa mahatonga azy hitomany be loatra ny fahoriana ka sarotra ho azy ny mijery.
"asandratro aminao ny tanako." Izany dia fihetsika mampiseho fa miankina tanteraka amin'Andriamanitra izy.
Ny mpanoratra mampiasa fanontaniana mba hanamafisana fa raha mamela azy ho faty Andriamanitra dia tsy ho afa-manao zava-mahagaga ho azy intsony Andriamanitra. DH: "Tsy manao fahagagana ho an'ny maty Ianao."
Ny mpanoratra mampiasa fanontaniana mba hanamafisana fa raha mamela azy ho faty Andriamanitradia tsy ho afaka midera an'Andriamanitra intsony izy. DH: "Fantatrao fa izay efa maty tsy hitsangana hidera Anao."
hidera ny fahatokian'Andriamanitra ny maty. DH: "Tsy hisy hanambara ny famindramponao sy ny fahitsianao ny any am-pasana."
Ireo rehetra ireo dia maneho toerana izay alehan'ny olona rehefa maty.
Azo adika ho fehezanteny misaraka izany. DH: "Ho ambaraina any amin'ny fitoeran'ny maty ve ny fahitsianao?" na " tsy hanambara ny fahitsianao ireo maty."
Ireo fanontaniana roa ireo dia midika zavatra mitovy. Ny mpanoratra mampiasa fanontaniana mba hanamafisana fa tsy afaka hiaina na hanambara ireo zava-dehibe ataon'Andriamanitra ireo efa maty. DH: "Tsy hiresaka momba ireo asa mahagaga sy ny fahamarinanao any amin'ny toeran'ny maty noadinoina ny olona."
Azo adika ho fehezanteny misaraka izany. DH: "Ny fahamarinanao ve ho fantatra any amin'ny toeran'ny fanadinoina?" na "Ireo izay any amin'ny toeran'ny fanadinoina tsy hahalala momba ireo zava-marina ataonao."
Ny mpanoratra mivavaka amin'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe ilay vavaka mihitsy no mandeha miteny amin'i Yaveh.
Izany dia milaza ny mpanoratra mahatsiaro toy ny nolavin'Andriamanitra na nafoiny toy ny hoe nanafina ny tavany Andriamanitra na nivily tamin'ny mpanoratra.
Izany dia miteny an'Andriamanitra manafay ny mpanoratra toy ny hoe onja lehibe misandratra avy amin'ny ranomasina ireo asan'Andriamanitra ka mianjera sy manorotoro ny mpanoratra. DH: "Toy ny nanorotoro ahy ireo asanao tezitra"
Izany dia miteny momba an'Andriamanitra manafay ny mpanoratra toy ny hoe Andriamanitra namotika tanteraka ny mpanoratra. DH: "ny asa mampihorohoro ataonao no efa namotika ahy" na "ny asa mampihorohoro ataonao no efa saika namotika ahy"
Ny mpanoratra mampitaha ny "asan'Andriamanitra tezitra" sy ny "asa mampihorohoro" amin'ny tondra-drano. DH: "mandrahona ny hamotika ahy toy ny tondra-drano andro lava izy ireo"
Ny andianteny "izy ireo" dia manondro ireo asan'Andriamanitra tezitra sy asa mampihorohoro ao amin'ny andininy teo aloha.
Ny mpanoratra miteny ny asan'Andriamanitra tezitra sy asa mampihorohoro toy ny hoe fahavalo izay mitady hisambotra sy hamono azy. DH: "efa nanodidina ahy tahaka ny miaramila fahavalo izy ireo"
"ny olona tiako sy fantatro rehetra"
Izany dia miteny momba ny aizina toy ny hoe olona afaka ny ho sakaizan'olona hafa. Ny mpanoratra manamafy fa mahatsiaro irery tanteraka izy. DH: "maizina avokoa izay alehako rehetra"
Maskilan'i Etana Ezraita. 1 Hihira ho an'ny asan'ny fanekena mahatokin'i Yaveh mandrakizay aho. Hanambara ny fahamarinanao amin'ireo taranaka ho avy aho. 2 Fa izaho efa nilaza hoe: "Efa napetraka mandrakizay ny fanekena mahatoky; efa napetrakao any an-danitra ny fahamarinanao." 3 Efa nanao fifanekena tamin'ilay voafidiko Aho, efa nanao fianianana tamin'i Davida mpanompoko Aho. 4 Hampitoetra mandrakizay ny taranakao Aho, ary hampitoetra ny seza fiandriananao manerana ny taranaka rehetra." Sela 5 Midera ireo fahagaganao ny lanitra, ry Yaveh; deraina ao amin'ny fiangonan'ilay masina ny fahamarinanao. 6 Fa iza eny an-danitra no azo ampitahaina amin'i Yaveh? Iza tamin'ireo zanaka lahin'ireo andriamanitra no mitovy amin'i Yaveh? 7 Izy dia Andriamanitra izay nomena voninahitra lehibe tao amin'ny filan-kevitr'ilay masina ary nahatalanjona ny rehetra nanodidina Azy. 8 Ry Yaveh Andriamanitra Tompon'ny maro, iza no mahery toa anao, ry Yaveh? Mandrakotra anao ny fahamarinanao. 9 Mifehy ny ranomasina mahery Ianao; rehefa manonja ireo, dia mampitony Ianao. 10 Notorotoroinao toy ny olona novonoina i Rahaba. Nahelinao tamin'ny sandrinao mahery ireo fahavalonao. 11 Anao ny lanitra, ary ny tany ihany koa. Nahary izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy Ianao. 12 Namorona ny atsimo sy avaratra Ianao. Mifaly amin'ny anaranao i Tabara sy Hermona. 13 Manana sandry mahery sy tanana mafy Ianao, ary avo ny tananao ankavanana. 14 Ny fahamarinana sy fitsaràna no fanambanin'ny seza fiandriananao. Tonga eo anatrehanao ny fanekena mahatoky sy fahamendreham-pitokiana. 15 Samabatra ny olona izay manompo Anao! Yaveh o, mandeha amin'ny fahazavan'ny tavanao izy ireo. 16 Mifaly amin'ny anaranao mandrakariva izy ireo, ary amin'ny fahamarinanao no hanandratany Anao. 17 Ianao no voninahitry ny herin'izy ireo, ary mpandresy amin'ny fankasitrahanao izahay. 18 Fa an'i Yaveh ny apiganay; ny mpanjakanay dia an'Ilay Masin'Israely. 19 Tany aloha dia niteny tamin'ilay mahatokinao tanaty fahitana Ianao; hoy Ianao hoe: "Efa nametraka satro-boninahitra teo amin'ilay mahery Aho; efa nanandratra voasafidy iray tamin'ireo vahoaka aho. 20 Nisafidy an'i Davida mpanompoko Aho; tamin'ny diloiloko masina no nanosorako azy. 21 Hanohana azy ny tanako; hampahery azy ny sandriko. 22 Tsy misy fahavalo hamitaka azy; tsy misy zanaka lahin'ny ratsy fanahy hampahory azy. 23 Ho torotoroiko eo anoloany ireo fahavalony; ho vonoiko ireo izay mankahala azy. 24 Ny fahamarinako sy ny fanekeko mahatoky no homba azy; ho mpandresy amin'ny anarako izy. 25 Hapetrako eo ambonin'ny ranomasina ny tanany ary ny tanany ankavanana eo ambonin'ireo ony. 26 Hiantso Ahy izy hoe: 'Ianao no Raiko, ry Andriamanitro, ary vatolampin'ny famonjena ahy.' 27 Izaho ihany koa hametraka azy ho toy ny zanako lahimatoa, ilay ambony indrindra amin'ireo mpanjakan'ny tany. 28 Hanitatra ny fanekena mahatokiko aminy mandrakizay Aho; ary ny fifanekeko aminy dia ho voaaro. 29 Hampaharitra ireo taranany mandrakizay Aho ary ny seza fiandrianany haharitra tahaka ny habakabaka eny ambony. 30 Raha mahafoy sy tsy mankatò ireo lalàko ny zanany, 31 raha mandika ny fitsipiko ary tsy mitandrina ireo filalako izy ireo, 32 dia hanafay ny fikomian'izy ireo amin'ny tsorakazo Aho ary ny helony amin'ny tsoka. 33 Fa tsy hanaisotra aminy ny fitiavako tsy miova na hivadika amin'ny fampanantenako Aho. 34 Tsy handika ny fanekeko na hanova ireo tenin'ny molotro Aho. 35 Efa nianiana tamin'ny fahamasinako indray mandeha Aho— tsy handainga amin'i Davida Aho: 36 Ireo taranany dia hitohy mandrakizay ary ny seza fiandrianany dia haharitra toy ny masoandro eo anoloako. 37 Izany dia hipetraka mandrakizay toy ny volana, ilay vavolombelona mahatoky eny an-danitra." Sela. 38 Saingy Ianao tsy nanaiky sy nandà; tezitra tamin'ilay mpanjakanao voahosotra. 39 Efa niala tamin'ny faneken'ny mpanomponao Ianao. Efa nanimbazimba ny satro-boninahiny tamin'ny tany Ianao. 40 Efa narodanao ireo rindriny rehetra. Efa noravainao ny fiarovana mafiny. 41 Izay rehetra nandalo dia efa nandroba azy. 42 Efa lasa fitaovana maharikoriko amin'ireo namany izy. Nanandratra ny tanana ankavanan'ireo fahavalony Ianao; nampifalianao ireo fahavalony rehetra. 43 Navadikao ny lelan-tsabany ka tsy nampijoro azy raha hiady. 44 Nofarananao ny famirapiratany; nampidininao tamin'ny tany ny seza fiandrianany. 45 Nafohezinao ny andron'ny fahatanorany. Norakofanao henatra izy. Sela 46 Hafiriana, ry Yaveh? Hanafina ny tenanao mandrakizay ve Ianao? Mandra-pahoviana no hirehitra toy ny afo ny hatezerenao? 47 Oh, saino ny momban'ny androko fohy, sy ny namoronanao ny zanak'olombelona rehetra ho fatifaty foana! 48 Iza no afaka hiaina ka tsy ho faty, na hanavotra ny ainy manokana eny an-tanan'ny Fiainan-tsy hita? Sela 49 Ry Tompo, aiza ireo asan'ny fanekena mahatokinao taloha izay nianianan'i Davida tamin'ny fahamarinanao? 50 Tsarovy, ry Tompo, ny fanesoana natao tamin'ireo mpanomponao ary ny fomba nizakan'ny foko ireo teny ratsy maro avy amin'ireo firenena. 51 Nihiaka teny ratsy ireo fahavalonao, ry Yaveh; nohesoin'izy ireo ny dian-tongotr'ilay voahosotrao. 52 Ho deraina mandrakizay anie Yaveh. Amena, Amena. Boky faha efatra.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Mety ho manondro karazana mozika izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 32:1.
Izany no anaran'ny mpanoratra.
Izany dia anarana voondrona na fokon'olona. Mety ho manondro zanaka lahy izany na koa taranak'i Zerah.
Andriamanitra manao izay nampanantenainy fa hataony dia lazaina toy ny hoe tranobe izay naorin'Andriamanitra sy nataony mafy orina ny fahatokiana.
Andriamanitra manao izay nampanantenainy hatao hatrany dia lazaina toy ny hoe tranobe izay naorin'Andriamanitra sy nataony mafy orina ny fahatokiana.
Ireo mety ho heviny dia 1) izany midika ny toeram-ponenan'Andriamanitra. Mety midika izany fa Andriamanitra manapaka avy any an-danitra ary manao hatrany izay ampanantenainy na 2) izany dia manondro ny habakabaka. Izany dia mety ho midika fa ireo fampanantenan'Andriamanitra dia maharitra sy mitohy tahaka ny habakabaka (UDB).
Azonao atao mazava tsara fa "ilay voafidy" dia manondro an'i Davida. DH: "Efa nanao fampanantenana tamin'i Davida, ilay nofidiako Aho"
Yaveh no miteny ao amin'ny 89:3-4.
Yaveh mahatonga hatrany an'ireo taranak'i Davida ho mpanjaka dia lazaina toy ny hoe tranobe ireo taranak'i Davida ka Yaveh no hanorina sy hanamafy orina azy.
Eto ny "seza fiandrianana" dia maneho ny fahefana hanapaka amin'ny maha mpanjaka. Ny mpanao salamo miteny an'Andriamanitra mampanantena fa misy iray amin'ireo taranak'i Davida dia hanapaka ho mpanjaka toy ny hoe Andriamanitra hanorina ny seza fiandriananan'i Davida sy manamafy orina izany. DH: "Hataoko azo antoka fa hisy iray amin'ireo taranakao hanjaka amin'ny taranaka mandimby rehetra amin'ny vahoakako "
Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 3:1.
Eto ny "lanitra" dia maneho an'ireo izay any an-danitra.
"Midera Anao, ry Yaveh, noho ireo zava-mahagaga ataonao"
Ny anarana "fahamarinana" dia azo avadika ho "manatanteraka hatrany izay nampanantenainao hatao Ianao." DH: "Midera Anao ny fiangonan'ireo masinao satria Ianao manatanteraka hatrany izay nampanantenainao hatao"
Izany dia manondro an'ireo anjely any an-danitra.
Ireo fanontaniana roa ireo dia midika zavatra mitovy. Ny mpanoratra mampiasa fanontaniana mba hanamafisana fa tsy misy tahaka an'i Yaveh any an-danitra.
Eto ny "zanaka lahin'i" dia midika fananana ny toetran'i. Izany dia fomba hanondroana fanahy hafa izay monina any an-danitra. DH: "anjely" na "masina"
"ny fiarahan'ireo masina" na "ny fiarahan'ireo anjely"
Ny mpanoratra manontany mba hanamafisana fa tsy misy mahery tahaka an'i Yaveh.
Yaveh manatanteraka hatrany izay nampanantenainy hatao dia lazaina toy ny hoe lamba na fitafy mandrakotra azy ny fahamarinan'i Yaveh.
"Mibaiko ny ranomasina misamboravoara Ianao"
Ny teny "Rahaba" eto dia manondro ny biby lehibe an-dranomasina.
Eto ny "sandry" dia maneho ny fahefana. DH: "tamin'ny fahefanao lehibe"
Ny mpanoratra mampiasa ny teny "avaratra" sy "atsimo" miaraka mba hilazana fa Andriamanitra nahary ny zava-drehetra na aiza na aiza
Tabara dia tendrombohitra atsimo-andrefan'ny ranomasina Galilia ary Hermona dia tendrombohitra avaratra-atsinanan'ny ranomasina Galilia. Ny mpanoratra manoritsoritra ireo tendrombohitra ireo toy ny hoe olombelona izay afaka ny hifaly. DH: "Toy ny hoe nifaly tamin'ny anaranao ny tendrombohitra Tabara sy ny tendrombohitra Hermona"
Eto ny "anarana" dia maneho an'ilay olona manontolo. DH: "aminao"
Ny teny "sandry mahery," "tanana mafy" ary "tanana ankavanana" dia maneho ny herin'Andriamanitra avokoa.
Ny manangana ny tanana ankavanana amin'ny ambony dia manondro fahefana.
Andriamanitra manapaka amin'ny maha mpanjaka sy manao izay marina sy hitsiny dia lazaina toy ny hoe tranobe ny seza fiandrianan'Andriamanitra, ary ny fahamarinana sy fahitsiana no fanambaniny.
Ny seza fiandrianana dia maneho ny fanapahan'Andriamanitra amin'ny maha mpanjaka.
Eto ny teny "manompo" dia midika mihiaka sy mitsoka anjomara. Izany no fihetsika iraisana mba hanompoana nandritra ny firavoravoan'ny Israelita.
Eto ny olona miaina amin'ny fiainany dia lazaina toy ny hoe mandeha izy ireo. DH: "miaina izy ireo"
Ny mpanoratra miteny an'i Yaveh miasa amim-pankasitrahana amin'izy ireo toy ny hoe namirapiratra tamin'izy ireo ny tavan'i Yaveh. DH: "mahalala fa miasa aminy amim-pitiavana Ianao"
Eto ny "anarana" dia maneho an'ilay olona. DH: "aminao"
Ny anarana "fahamarinana" dia azo avadika ho mpamaritoetra. DH: "manandratra Anao izy ireo satria Ianao manao izay marina hatrany"
Ny anarana "hery" dia azo ambara ho mpamaritoetra. DH: "Ianao manao azy ireo ho mahery mahatalanjona"
Eto ny "izy ireo" dia manondro ny Israelita. Ny mpanoratra dia mety efa nametraka ny tenany ho isan'ny Israelita. DH: "Ianao no ... anay"
Eto ny "izahay" dia manondro ny mpanoratra sy ny Israelita.
Ny mpanjaka izay miaro ny vahoakany sy nofidian'i Yaveh dia lazaian toy ny hoe izy no ampinga izay an'i Yaveh.
Ny mpanoratra mihevitra fa fantatry ny mpamaky ny tantaran'ny fomba nahatongavan'i Davida ho mpanjaka voafidy.
Ny mametraka satro-boninahitra eo an-dohan'olona iray dia marika fanaovana azy ho mpanjaka. DH: "Efa nanao lehilahy mahery ho mpanjaka Aho"
Misy amin'ireo fandikana Baiboly manao hoe "nanome hery ho an'ilay mahery" na "nanampy ilay mahery."
Eto ny "nanandratra" dia midika nanendry. Izay midika fa Andriamanitra nifidy izany olona izany ho mpanjaka. DH: "efa nifidy iray avy amin'ny vahoaka ho mpanjaka Aho"
Eto ny mandraraka diloilo amin'ny lohan'olona iray dia mari-pamantarana fa Andriamanitra manendry ilay olona ho mpanjaka.
Eto ny "tanana" sy "sandry" dia samy midika ny hery sy fahefan'i Yaveh. DH: "Hanohana azy Aho ary hampatanjaka azy"
Ny mpanoratra manondro an'ireo izay manana toetran'ny faharatsiana ho "zanaky ny faharatsiana." DH: "olona ratsy fanahy"
Yaveh manohy miteny momba an'i Davida.
Andriamanitra mahatoky hatrany sy manao izay nampanantenainy ho an'i Davida dia lazaina toy ny hoe fahamarinana sy fahatokiana dia zavatra izay manaraka an'i Davida.
Eto ny "anarana" dia maneho ny fahefan'Andriamanitra. DH: "Izaho, Andriamanitra, no hahatonga azy ho mpandresy"
Eto ny "tanana" sy "tanana ankavanana" dia maneho hery sy fahefana. Eto "ny ranomasina" dia toa manondro ny ranomasina Mediteraneana andrefan'Israely, ary ny "ony" dia manondro ny ony Eofrata any andrefana. Izany midika fa hanana fahefana eo ambonin'ny zava-drehetra amin'ny ranomasina ka hatramin'ny ony i Davida. DH: "Hanome azy fahefana ambonin'ny zava-drehetra amin'ny ranomasina Mediteraneana ka hatrany amin'ny ony Eofrata Aho"
Ity dia farango sosona anaty farango sosona. Azo atao amin'ny fomba tsy mivantana izany. DH: "Hilaza izy fa Izaho no Rainy, Andriamaniny, sy ny vatolampian'ny famonjena azy"
Yaveh miaro sy manavotra an i Davida dai lazaina toy ny hoe Yaveh no vatolampy izay azon'i Davida ijoroana ao an-tampony mba ho fiarovana amin'ireo fahavalo.
Yaveh manohy miteny momba an'i Davida.
Yaveh manome laharana sy tombontsoa manokana ho an'i Davida ambonin'ny olona hafa rehetra dia lazaina toy ny hoe davida no voalohan-terak'i Yaveh.
Hisy olona avy amin'ny fiakavian'i Davida hanapaka ho mpanjaka dia lazaina toy ny hoe maharitra tahaka ny habakabaka ny seza fiandrianany.
Eto ny "seza fiandrianany" dia maneho ny fahefana hanapaka ho mpanjaka.
"ireo taranak'i Davida"
Andriamanitra manafaay ireo taranak'i Davida dia lazaina toy ny hoe Izy namely azy ireo tamin'ny tsorakazo. Eto ny "fikomiana" dia azo amabara ho matoanteny. DH: "hanafay azy ireo tamin'ny fikomiana amiko"
Andriamanitra manafay ireo taranak'i Davida dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra namely azy ara-bakiteny. Azo ambara ho fehezanteny feno izany. DH: "ary hanafay azy ireo satria nanota tamiko"
Eto ny "teny" dia maneho izay voalaza. Ary koa ny "molotra" dia maneho ny vava manontolo sy ny lazain'ilay olona. DH: "izay nolazaiko"
Yaveh mampiasa ny fahamasinany ho fototry ny voadiny. Izany no fomba fampahazoana antoka fa hanao izay nampanantenainy hatao tanteraka izy.
"ary ny seza fiandrianany dia hitohy tahaka ny masoandro eo anoloako"
Eto ny "seza fiandrianany" dia maneho ny fahefana hanapaka amin'ny maha mpanjaka. Andriamanitra mampanantena fa hisy iray amin'ireo taranak'i Davida no ho mpanjaka hatrany hatrany.
Andriamanitra mampitaha ny fanapahan'i Davida amin'ny amsoandro mba hanamafisana fa hisy amin'ny taranak'i Davida no hanapaka hatrany ho mpanjaka.
Eto ny "izany" dia midika ny seza fiandrianan'i Davida na ny fahefany hanapaka ho mpanjaka. DH: "Hanao izany haharitra mandrakizay Aho"
Andriamanitra mampitaha ny fanapahan'i Davida amin'ny amsoandro mba hanamafisana fa hisy amin'ny taranak'i Davida no hanapaka hatrany ho mpanjaka.
Ny volana dia lazaina toy ny hoe olombelona izay manatrimaso an'Andriamanitra manao izany fampanantenana izany amin'i Davida. DH: "ny volana, izay tahaka ny vavolombelona mahatoky eny an-danitra"
Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 3:1.
"Ianao tsy nanaiky sy nandà ny mpanjaka"
"tamin'ilay mpanjaka nofidianao"
"Efa nandà ny fanekena Ianao"
Ny manosika amin'ny tany na amin'ny vovoka dia mariky ny fanevatevana. DH: "Efa ny satro-boninahiny tamin'ny tany Ianao" na "Efa nampianjera ny satro-boninahiny teo amin'ny loto Ianao"
Izany dia maneho ny fahefan'ny mpanjaka amin'ny maha mpanjaka sy ny fanapahany marina.
Izany dia midika fa Andriamanitra mamela ireo fahavalo hamotika ireo fiarovana ao Jerosalema. DH: "Efa namela fahavalo handrodana ireo mandany Ianao ary nandrava ny fiarovana mafiny tany Jerosalema"
Eto ny "namana" midika ireo olona avy amin'ny firenena manodidina.
Eto ny "tanana ankavanana" dia maneho fahefana. Ny "tanana ankavanana" dia maneho fahefana. Ny manangana ny tanana ankavanana" dia midika fa Yaveh no efa nampahery ireo fahavalony ampy hanoherana ny mpanjaka voafidin'Andriamanitra.
Eto ny "sabatra" dia maneho ny fahefan'ny mpanjaka any an'ady. Ny mamadika ny sabatra dia maneho fanaovana ny mpanjaka tsy afaka handresy an'ady.
Eto ny "lela" dia maneho ny sabatra manontolo. DH: "ny sabany"
Eto ny "nampijoro" dia maneho ny maha mpandresy amin'ny ady. DH: "Tsy nanampy azy handresy amin'ny Ady Ianao"
Eto ny "seza fiandrianana" dia maneho ny fahefana hanapaka ho mpanjaka. DH: "Ianao, Yaveh, no efa namarana ny fanjakany ho mpanjaka"
Izany dia fomba ilazana fa Andriamanitra nanao azy ho hita toa antitra eny fa na tamin'izy mbola tanora aza. DH: "Na dia tamin'izy mbola tanora dia efa nataonao osa tahaka ny lehilahy antitra izy"
Yaveh mampietry tanteraka ny mpanjaka dia lazaina toy ny hoe henatra no fitafiana izay nampiasain'Andriamanitra handrakofana azy.
Ny mpanoratra mampiasa ireo fanontaniana ireo mba hanamafisana fa tsy tian'ny mpanjaka hanohy handà azy Andriamanitra. DH: "Yaveh o, aza lavina mandrakizay re ny fanampianao ny mpanjaka."
Andriamanitra tsy manampy ny mpanjaka dia lazaiana toy ny hoe Andriamanitra niafina azy. DH: "Handà hanampy ny mpanjaka Ianao"
Ny mpanoratra mampiasa fanontaniana mba hanamafisana fa tsy tiany hijanona ho tezitra Andriamanitra. DH: "Mba aza manohy ny maha tezitra re"
Andriamanitra tezitra loatra dia lazaina toy ny hoe afo mahamay ny hatezerany.
Ny anarana "zavapoana" dia azo ambara ho "fahatany." DH: "izay namoronanao ny olona ho faty fahatany"
Izany dia manondro ny olombelona amin'ny ankapobeny. DH: "olombelona" na "vahoaka"
Ny mpanoratra mampiasa ireo fanontaniana ireo mba hanamafisana fa hofaty avokoa ny olombelona rehetra. DH: "Tsy hisy afaka ny hiaina mandrakizay na hampiverina ny tenany ho amin'ny fiainana indray aorian'ny fahafatesana"
Eto ny "tanana" dia manondro fahefana. Ny mpanoratra miteny ny Fiainan-tsy hita toy ny hoe olona izay manana fahefana eo amin'ny maty. Ireo mety ho heviny dia 1) tsy afaka hampiverina ny tenany ho amin'ny fiainana ny olona iray aorian'ny fahafatesana na 2) tsy afaka ny hihazona ny tenany amin'ny fahafatesana ny olona iray.
Ny mpanoratra mampiasa fanontaniana mba hangatahana amin'ny Tompo mba ho mahatoky amin'ny famindrampony amin'i Davida. DH: "Tompo o, meteza ho mahatoky amin'ny famindramponao amin'i Davida tahaka ny efa toetranao tany aloha"
Ny mpanoratra mangataka an'i Yaveh hametraka izany ho ao amin'ny fahatsiarovany. DH: "hevero"
Eto ny "mpanomponao" dia manondro ny vahoakan'Israely. DH: "ny anesoan'izy ireo anay, izay mpanomponao"
Eto ny "fo" dia maneho fihetseham-pon'olona iray. DH: "mizaka teny ratsy maro avy amin'ny vahoakan'ireo firenena aho" na "mijaly aho satria miteny ratsy ahy ny vahoaka avy amin'ireo firenena"
Eto ny "firenena" dia maneho ny vahoakan'ireo firenena.
Ireo fahavalo mihika teny ratsy any amin'ny mpanjaka dia lazaina toy ny hoe zavatra izay itorahan'ireo fahavalo mafy ny mpanjaka ny teny ratsy.
Eto ny "dian-tongotra" dia maneho izay alehan'ny mpanjaka. DH: "esoin'izy ireo ilay voahosotrao na aiza na aiza alehany"
Ity andininy ity dia mihoatra ny fiafaran'io salamo io. Ity no fanambarana fanakatonana ho an'ny Boky fahatelo amin'ny Salamo, izay manomboka amin'ny salamo 73 ka mifarana amin'ny salamo 89.
Ny teny hoe "Amena" dia averina mba hanamafisana ny fankatoavana an'izay efa voalaza. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 41:13.
Vavak'i Mosesy lehilahin' Andriamanitra. 1 Tompo o, efa fialofanay manerana ireo taranaka rehetra Ianao. 2 Talohan'ny nisian'ny tendrombohitra, ary nahary ny tany sy izao tontolo izao Ianao, rahatrizay ka ho mandrakizay, Ianao no Andriamanitra. 3 Nampody ho vovoka ny olona Ianao, ka hoy Ianao hoe: "Miverena, ianao ry taranak'olombelona." 4 Fa ny arivo taona eo imasonao dia toy ny omaly rehefa lasa, ary fotoana toy ny fiambenana amin'ny alina. 5 Fafanao tahaka ny amin'ny riaka izy ireo dia natory; amin'ny maraina dia toy ny ahitra mitsiry izy ireo. 6 Amin'ny maraina dia mamony izany ary maniry; amin'ny hariva dia malazo izany ary maina. 7 Marina tokoa, fa levona amin'ny hatezeranao izahay, ary amin'ny fahaviniranao no maha-raiki-tahotra anay. 8 Efa nametraka ny helokay teo anoloanao Ianao, ireo fahotanay miafina teo amin'ny fahazavan'ny fanatrehanao. 9 Ny fiainanay dia dify ao ambany fahatezeranao; ny fiainanay dia mandalo faingana toy ny sento. 10 Fitopolo, na valopolo taona izahay raha salama; kanefa ny taonanay tsara indrindra aza dia voamariky ny fahoriana sy alahelo. Eny, mandalo faingana izany, dia manidina izahay. 11 Iza no mahalala ny hamafin'ny hatezeranao, sy ny fahaviniranaao izay mitovy amin'ny fahatahorana Anao? 12 Koa ampianaro izahay mba handinika ny fiainanay mba hahafahanay miaina am-pahendrena. 13 Miverena, ry Yaveh! Mandra-pahoviana izao? mamindrà fo amin'ireo mpanomponao. 14 Omeo fahafaham-po amin'ny famindram-ponao izahay amin'ny maraina mba hiravoravoanay ka ho faly amin'ireo andronay rehetra. 15 Ampifalio izahay arakarak'ireo andro nampahorianao anay sy ireo taona izay niainanay fahoriana. 16 Aoka ireo mpanomponao hahita ny asanao, ary aoka ireo zanakao hahita ny voninahitrao. 17 Ny sitraky ny Tompo Andriamanitray anie ho aminay; ambino ny asan'ny tananay; ambino tokoa re ny asan'ny tananay.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Ity dia vavaka nosoratan'i Mosesy"
Andriamanitra miaro ny vahoakany dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra no fialofana. DH: "Tompo o, Ianao no efa tahaka ny fialofanay"
"lalandava" (UDB)
"namorona" na "namolavola"
Izany dia maneho ny zavatra rehetra izay ao amin'ny tany.
Ity andianteny ity dia maneho ny fotoana lasa, ankehitriny, sy ny hoavy rehetra.
Izany midika fa tahaka ny naharin'Andriamanitra ny lehilahy voalohany ihany, dia Adama, avy tamin'ny tany, no hampodian'Andriamanitra ny vatan'olombelona ho tany indray aorian'ny hafatesan'izy ireo. DH: "Ampodianao ho vovoka ny olona rehefa maty"
Eto ny "olona" midika ny olombelona amin'ny ankapobeny.
"Miverena ho vovoka, ianareo ry taranaka" na "Modia ho tany, ianareo ry taranaka"
Izany dia fomba hanndroana olombelona amin'ny ankapobeny. DH: "ianareo ry olombelona" na "ianareo ry olona"
Ny mpanoratra te ilazana fa ny fotoana ela dia ela dia toa fohy ihany amin'Andriamanitra. DH: "heverinao ho mitovy amin'ny andro iray, na ora vitsy sy fohy amin'ny alina any amin'ny lasa ny arivo taona" na "Na dia ny arivo taona aza tsy fotoana ela aminao"
"1.000 taona"
Eto ny "imaso" dia maneho fisainana na hevitra. DH: "aminao"
Andriamanitra mahafaty tampoka ny olona dia lazaina toy ny hoe namafa azy ireo tamin'ny kofafa. Izany famafana izany koa dia lazaina toy ny hoe riaka izay nitondra ny olona lavitra. DH: "TOmpo o, Ianao mandringana ny olona tahaka ny amin'ny riaka ka maty izy ireo"
Ity no fomba tsara ilazana ny olona andalam-pahafatesana.
Ny vahoaka dia ampitahaina amin'ny ahitra mba hanamafisana fa tsy miaina fotoana elabe ny olombelona.
Ireo andianteny roa ireo dai manondro ny fomba hitomboan'ny ahitra. DH: "manomboka mitsiry izany ka mitombo"
Ireo andianteny roa ireo dia manondro ny fomba hafatesan'ny ahitra. DH: "malazo izany ka maina"
Andriamanitra manimba ny olona amin'ny hatezerany dia lazaina toy ny hoe ny hatezerany no afo mandoro tanteraka ny vahoaka. DH: "mamotika anay amin'ny hatezeranao Ianao"
"ary rehefa tezitra Ianao dia matahotra mafy izahay"
Andriamanitra mihevitra ny fahotan'ny olona dia lazaina toy ny hoe ny fahotana dia zavatra azony apetraka eo anoloany sy jereny. DH: "Ianao mahita ny zava-pahotana rehetra ataonay, eny fa na dia ireo zava-dratsy ataonay any amin'ny mangingina aza"
Ny teny "satria dia azo ampiasaina hanazavana fa mametra ny fiainan'ny olombelona ny fahatezeran'Andriamanitra. DH: "Tonga amin'ny fiafarana ny fiainanay noho ny fahatezeranao"
Ny mpanoratra mampitaha ny fiainan'olombelona amin'ny sento mba hanamafisana fa tena fohy ny fiainana.
"70"
"80"
Izany no fomba tsara ilazana ny olona andalam-pahafatesana. DH: "maty izahay"
Ny mpanoratra mampiasa fanontaniana mba hanamafisana fa tsy misy efa niatrika ny hatezeran'Andriamanitra izany. Noho izany dia tsy misy manaja marina an'Andriamanitra ka matahotra an'Andriamanitra rehefa manota ny olombelona. DH: "Tsy misy mahalala ny hamafin'ny hatezeranao. Nohoa izany dia tsy misy matahotra ny fahaviniranao izy ireo rehefa manota."
Ny fangatahana amin'i Yaveh mba tsy ho tezitra intsony dia lazaina toy ny hoe tian'ny mpanoratra hiala mivantana amin'Andriamanitra ny hatezerana. DH: "Yaveh o, aza mba tezitra intsony re Ianao"
Ny mpanoratra mampiasa fanontaniana mba hanambarana fa tiany Andriamanitra mba hitsahatra amin'ny hatezerana.
Eto ny "mpanomponao" dia manondro ny vahoakan'Israely. DH: "Mamindrà fo aminay, mpanomponao"
"Omeo fahafaham-po izahay isa-maraina"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy. Ny mpanoratra mangataka amin'i Yaveh hampifaly azy ireo amin'ny fotoana mitovy amin'ny namaizany azy ireo. DH: "amin'ny fotoana mitovy amin'ny nampahorianao anay sy nampijalianao anay"
Eto ny "mpanomponao" dia manondro ny vahoakan'Israely. DH: "Aoka izahay, mpanomponao" na "Aoka izahay"
Eto ny "zanaka" midika an'ireo zanaka sy taranaka.
Ny anarana "voninahitra" dia azo ambara ho "zavatra lehibe." DH: "hahita ireo zavatra lehibe ataonao"
Ny anarana "fitiavana" dia azo ambara ho "tsara fanahy." DH: "Ho aminay anie ny hatsaram-panahin'ny Tompo Andriamanitray"
Eto ny "tanana" dia maneho an'ilay olona manontolo. DH: "ambino re izahay" (UDB)
1 Ilay mitoetra eo ambany fialofan'ilay Avo Indrindra dia hitoetra ao amin'ny alok'ilay Tsitoha. 2 Hilaza ny amin'i Yaveh aho hoe: "Izy no fialofako sy fiarovako mafy, Andriamanitro, Izay hitokiako." 3 Fa Izy no hamonjy anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy amin'ny areti-mandoza mahafaty. 4 Handrakotra anao amin'ireo elany Izy, ary ao ambany elany no hahitanao fialofana. Ny fahamendreham-pahatokiany dia ampinga sy fiarovana. 5 Tsy hatahotra ny horohoron'ny alina ianao, na ny tsipìka izay manidina amin'ny andro, 6 na ny loza izay mirenireny amin'ny maizina, na ny aretina izay tonga amin'ny mitataovovonana. 7 Arivo no mety ho lavo eo anilanao ary iray alina eo amin'ny tananao ankavanana, kanefa tsy hahatratra anao izany. 8 Fa handinika sy hizaha ny sazin'ny ratsy fanahy fotsiny Ianao. 9 Fa Yaveh no fialofako! Ataovy fialofanao ihany koa ilay Avo Indrindra. 10 Tsy hisy ratsy hahazo anao; tsy hisy fahoriana hanakaiky ny fonenanao. 11 Fa hitarika ireo anjeliny Izy mba hiaro anao, hiambina anao amin'izay lalanao rehetra. 12 Hanandratra anao amin'ny tanany izy ireo mba tsy ho voan'ny vato ny tongotra. 13 Hanorotoro ireo liona ianao sy ireo menarana ambany tongotrao; hanitsaka ireo liona tanora sy bibilava ianao. 14 Satria efa nanolo-tena ho Ahy izy, dia hamonjy azy Aho. Hiaro azy Aho satria tsy mivadika amiko izy. 15 Rehefa miantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho. Homba azy Aho amin'ny fahoriana; hanome fandresena azy Aho ary hanome voninahitra azy. 16 Hanome fahafaham-po azy amin'ny fiainana lava Aho ary hampiseho azy ny famonjeko.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Satria ny "monina" sy "mitoetra" dia saika midika zavatra mitopvy, tahaka ny amin'ny "fialofana" sy "aloka," izay samy sarinteny ho an'ny fiarovana, mety ilaina ny manakambana ireo andalana roa ireo ho iray. DH: "Ny Avo Indrindra, Ilay Tsitoha, no hiahy ireo rehetra izay monina ao amin'izay ahafahany miaro azy ireo"
y teny "fialofana" dia sarinteny ho an'ny fiarovana. DH: "izay monina any amin'ny hiarovan'ny Avo Indrindra azy"
Ny teny "Avo Indrindra" dia manondro an'i Yaveh. Jereo ny nandikana izany ao amin'ny 18:13.
Ny teny "aloka" eto dia sarinteny ho an'ny fiarovana. DH: "hitoetra any amin'izay ahafahan'ny Tsitoha miaro azy"
Ilay manana hery sy fahefana amin'ny zava-drehetra. Jereo izay nandikana izany ao amin'ny 68:14.
"Izaho hilaza momba an'i Yaveh aho"
Ny "fialofana" dia izay toerana azon'ny olona iray aleha ary misy olona na zavatra miaro azy. Ny "fiarovana mafy" dia zavatra izay amboarin'ny olona mba hiarovan'izy ireo ny tenany sy ny fananany. Asafa mampiasa ireny eto mba ho sarinteny ho an'ny fiarovana. DH: "Ilay azoko aleha sy hiaro ahy"
Ny teny izay najanona dia azo apetraka. DH: "Fa Andriamanitra hamonjy anao amin'ny fandriky ny mpihaza ary Izy hamonjy anao amin'ireo areti-mandringana mahafaty"
"amin'ny fandrika izay novelarin'ny mpihaza hisamborana anao"
Ny fiarovan'Andriamanitra eto dia tondroina ho "elatra" izay ampiasain'ny vorona handrakofana ny zanany amin'ny loza. "Handrakotra anao amin'ny elany" sy "ambany elany" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. DH: "Hiaro anao Izy"
Ny fahamarinan'Andriamanitra eti dia voatondro ho "ampinga" izay afaka miaro olona izay miankina aminy. DH: "Azonao itokisana hiaro anao Izy"
Tsy misy mahalala tsara izay tena dikan'io teny io. Ireo mety ho heviny dia 1) ampinga kely lanjain'ny sandry izay nampiasain'ny miaramila hiarovan-tena amin'ny zana-tsipìka sy sabatra na 2) rindrim-bato alahatra boribory izay ahafahan'ny miaramila miafina sy mandefa zana-tsipìka.
Ny mpanao salamo miteny ny "horohoro" toy ny hoe fanahy na biby masiaka izay mety hamely amin'ny alina ka mampihorohoro olona. DH: "zavatra mamely anao amin'ny alina"
Ireo andianteny roa ireo dia ampiarahina mba hanondroana ireo fotoana mety rehetra amin'ny alina sy andro.
Ny "zana-tsipìka" dia sarinteny ho an'ny vahoaka izay mandefa ny zana-tsipìka. DH: "ny olona mamely anao amin'ny zana-tsipìka mandritra ny andro"
Ny mpanao salamo miteny ny faharariana toy ny hoe olona izay nandehandeha alina namono ny olona hafa. DH: "tsy hatahotra ny fahafatesana avy amin'ny aretina ianao"
Mandeha any amin'izay tiany aleha amin'ny fotoana rehetra.
Ireo andianteny roa ireo dia nampiarahana mba hanondroana izay mety ho fotoana amin'ny alina sy atoandro.
Faharariana izay mamparary olona marobe indray mandeha.
"Olona maro no mety ho lavo manodidina anao." Raha mandika ny isa marina dia mahavery hevitra ny mpamaky, azonao esorina izany.
"tsy mba hahavoa anao ny ratsy"
"Ianao tenanao mihitsy no tsy hijaly, fa kosa handinika ianao, ary dia hahita"
"ny fomba hanasazian'Andriamanitra ny ratsy fanahy"
"Yaveh no Ilay falehako rehefa mila olona hiaro ahy aho"
"Ianao koa tokony manao an'ilay Avo Indrindra ho fialofanao." Ny mpanao salamo mitsahatra miteny amin'Andriamanitra ka miresaka amin'ny mpamaky.
"Tsy hisy ratsy hitranga aminao"
Ny mpanao salamo miteny ny olona izay mampahory ny hafa toy ny hoe izy ireo no zava-dratsy ataony. DH: "tsy hisy afaka hanisy ratsy ny ankohonanao"
"Yaveh hadidy"
Ny mpanao salamo miteny ny fomba fiainan'olona iray toy ny hoe lalankely iray izay alehan'ilay olona. DH" amin'izay ataonao rehetra" na "amin'ny fotoana rehetra"
"Ny anjelin'i Yaveh hanandratra anao"
Tsy ny tongotry ny mpamaky ihany no arovan'ireo anjely fa ny vatany manontolo mihitsy. DH: "tsy mba ho voan'ny vato akory na ny tongotrao aza" na "tsy hisy zava-dratsy hitranga aminao"
Izay "ho voan'ny vato ny tongotrao" dia olona madinika, ny liona sy ny bibilava dia ohatra amin'ny loza lehibe. Ny mpanao salamo miteny ny liona sy ny bibilava toy ny hoe kely kokoa raha hotorotoroina ao ambany tongotr'olona. DH: "Ho afaka mamono ny liona sy ny menarana ianao ka toy ny biby madinika azonao hitsakitsahana ambany tongotra ireny"
Karazana bibilava misy poizina.
manorotoro amin'ny alalan'ny fanitsakitsahana mafy dia mafy.
"Satria tia Ahy izy"
Azo atao mazava tsara izany. DH: "Homba azy aho rehefa anaty fahoriana izy"
"hamela azy handavo ireo fahavalony Aho"
Ny mpanao salamo miteny ny fiainana toy ny hoe zavatra azon'olona iray hanina. DH: "Hamela azy hiaina amin'ny fiainana lava sy sambatra Aho"
"ary hampiseho azy ny famonjeko." Ny mpanao salamo miteny ny asa ataon'Andriamanitra mba hanavotana ny olombelona toy ny hoe zavatra hita maso. DH: "Hanavotra azy Aho mba hahalalany fa Izaho no Ilay mamonjy azy"
Salamo, tonon-kira ho an'ny andro Sabata. 1 Zavatra tsara ny manome fisaorana an'i Yaveh sy ny mihira fiderana ho an'ny anaranao, ry Avo Indrindra, 2 hanambarana ny fanekenao mahatoky nony maraina sy ny fahamarinanao isak'alina, 3 amin'ny valiha tory folo sy ny feon-kiran-dokanga. 4 Fa Ianao, ry Yaveh, nampifaly ahy tamin'ny alalan'ireo asanao. Hihira fifaliana ho Anao aho noho ireo asan'ny tananao. 5 Endrey ny halehiben'ireo asanao, ry Yaveh! Lalina tokoa ny fisainanao. 6 Tsy mahalala ny olon-kentrina, na ny adala hahatakatra izao: 7 Rehefa mitsiry toy ny ahitra ny ratsy fanahy, ary na dia miroborobo aza ny mpanao ratsy, dia mbola ho rava any amin'ny fahapotehana mandrakizay. 8 Fa Ianao, ry Yaveh, dia hanjaka mandrakizay. 9 Eny tokoa, jereo ireo fahavalonao, ry Yaveh! Eny tokoa, jereo ireo fahavolanao. Ho faty izy ireo! Ary ireo izay manao ratsy rehetra hiparitaka. 10 Nanandratra ny tandroko toy ny tandrok'omby Ianao; voahosotra tamin'ny menaka vaovao aho. 11 Efa nahita ny fahalavoan'ireo fahavaloko ny masoko; efa nandre ny fara-andron'ireo fahavaloko ratsy ny sofiko. 12 Ny marina dia haniry toy ny hazon-drofia; haniry toy ny sedara any Libanona izany. 13 Novolena tao an-tranon'i Yaveh ireo; ary maniry ao amin'ireo kianjan'Andriamanintsika. 14 Hamoa voa izy ireo na dia rehefa antitra aza; ary hijanona ho vao sy maitso, 15 mba hanambarana fa mahitsy Yaveh. Izy no vatolampiko, ary tsy misy tsy fahamarinana ao Aminy.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ny teny "ny anaranao" dia sarinteny ho an'ny "Ianao." DH: "ny mihira fiderana ho Anao"
Ny anarana "fahamarinana" dia azo avadika ho matoanteny "marina." DH: "fa marina avokoa izay lazainao rehetra"
Ny andianteny anarana "ireo asanao" dia azo adika amin'ny andianteny "izay nataonao." DH: "tamin'ny alalan'izay efa nataonao"
Ny andianteny anarana "ireo asan'ny tananao" dia azo adika amin'ny andianteny "izay nataon'ny tananao." Ny teny "tanana" dia fibangoan-teny ho an'ny tenan'ilay olona manontolo. DH: "izay efa nataonao"
"izay efa vitanao"
"Tsy takatray izay kasainao hatao raha tsy efa manao izany Ianao"
"Izay eritreretinao" na "Izay kasainao"
"maherisetra sy tsy misaina"
Izany dia mampitaha ny olon-dratsy amin'ny ahitra, izay maniry haingana sy any amin'ny toerana maro. DH: "Raha miseho faingana ny olon-dratsy ary toa manerana, tahaka ny ahitra"
Lahatsoratra maro no tsy manana ireo teny ireo.
"Ho faty izy ireo" na "Hamono azy ireo Ianao"
Lahatsoratra maro no mivaky hoe: "efa naparitaka."
"roahina"
Ny mpanao salamo miteny an'Andriamanitra toy ny hoe nanao azy hatanjaka toy ny bibidia. DH: "Nampatanjaka ahy tahaka ny ombidia Ianao"
"nampatanjaka ahy" Jereo ny nandikana ny "Nanandratra ... tandroka" ao amin'ny 75:4.
Ireo mety ho hevitry ny diloilo izay nataon'Andriamanitra teo amin'ny mpanao salamo dia sarinteny ho an'Andriamanitra 1) mahatonga azy ho faly "nanao ahy ho faly loatra Ianao" na 2) nampatanjaka azy: "nampatanjaka ahy Ianao" na 3) namela azy handavo ireo fahavalony: "namela ahy handavo ireo fahavaloko Ianao."
Ny teny "maso" sy "sofina" dia fibangoan-teny ho an'ilay olona mijery sy mandre. Mety ho akambana ireo andalana. DH: "Efa nahita sy nandre ny fahalavoan'ireo fahavaloko ratsy aho"
Ireo mety ho hevitry ny olo-marina izay ho tahaka ny hazon-drofia salama dia satria izy ireo ho 1) matanjaka na 2) lava andro iainana.
Ireo mety ho hevitry ny olo-marina izay ho tahaka ny hazo sedera salama mitombo any an-tanin'ny Libanona dia satria 1) izy ireo ho mafy na 2) hanome voninahitra azy ireo ny vahoaka.
Ny mpanao salamo miteny ny olona izay manompo marina an'Andriamanitra toy ny hoe hazo maniry ao an-tranon'i Yaveh.
Ny mpanao salamo miteny ny olo-marina toy ny hoe hazo salama. DH: "mitombo tsara izy ireo" na "mafy tokoa izy ireo"
eo an-kianjan'ny tempolin'i Jerosalema.
Ny mpanao salamo miteny ny olo-marina toy ny hoe hazo izay mamoa hanina. DH: "Mahafinaritra an'Andriamanitra izy ireo"
Ny mpanao salamo miteny ny olo-marina toy ny hoe hazo. DH: "hijanona ho mafy sy salama izy ireo" na "manao izay hahafinaritra an'Andriamanitra lalandava izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "maitso, mba hahafahan'izy ireo manambara" na 2) "maitso. Izany mampiseho fa"
"Yaveh no ilay miaro ahy." Ny mpanao salamo miteny an'i Yaveh toy ny hoe vatolampy izay miaro azy. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 18:2.
1 Manjaka i Yaveh; mitafy voninahitra Izy; Yaveh dia nampitafy sy nampisikina ny tenany tamin'ny hery. Mafy orina izao tontolo izao; tsy afaka afindra izany. 2 Mitoetra hatramin'ny taloha ny seza fiandriananao; ianao dia tsy manam-pahataperana. 3 Niakatra ny ranomasina, ry Yaveh; nanandratra ny feony izy ireo; mikapokapoka sy mierona ny onjan-dranomasina. 4 Ambonin'ny fianjeran'ny onja maro, ilay mpanapaka maherin'ny ranomasina, Yaveh any ambony no mahery. 5 Ireo didinao masina dia tena mendri-pitokisana; mandravaka ny tranonao mandrakizay ny fahamasinana, ry Yaveh.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ny mpanao salamo miteny ny herin'i Yaveh sy ny voninahiny toy ny hoe zavatra itafian'i Yaveh. DH: "Asehony amin'ny olon-drehetra fa mpanjaka mahery Izy" na "manatrika eo ny voninahiny mba hojeren'ny rehetra, tahaka ny tohitena tafian'ny mpanjaka; ny zava-drehetra momba an'i Yaveh mampiseho fa mahery Izy ka vonona hanao asa lehibe"
Ny fahefan'ny mpanjaka sy ny fomba fihetsiky ny mpanjaka.
fehezina amin'ny kibo—fehin-koditra na fitaovana hafa izay anaovan'olona eo amin'ny valahany—mba hivononana amin'ny asa na ady.
"efa nisy foana Ianao"
Misy amin'ireo dika-teny mivaky hoe "ranobe ... ranobe." Ny teny matetika dia manondro ony (Jereo "ny Ony" 72:8), nefa "ranomasimbe ... ranomasina'" dia efa voafidy eto satria ny ranomasimbe, fa tsy ny ony, no misy "onja" izay "mikapokapoka sy mierona."
Ny mpanao salamo miteny ny ranomasimbe toy ny hoe olombelona afaka miteny. DH: "efa nanao feo mahery satria mikapokapoka sy mierona ny onjany"
mamoaka feo lava sy avo.
Ny andianteny "ilay mpanapaka maherin'ny ranomasina" dia midika zavatra mitovy amin'ny "onja maro" amin'ny ankapobeny ary manamafy ny haben'ireo onja ireo. DH: "Ambonin'ny fikapokapok'ireo onjan-dranomasina tena lehibe rehetra"
onja lehibe ho avy amin'ny tany
Ny mpanao salamo miteny an'izay onenan'Andriamanitra toy ny hoe avo ambony be amin'ny tany. DH: "any an-danitra"
tena zava-dehibe
"tsy miova mihitsy" na "tahaka izany foana" (UDB)
Ny mpanao salamo miteny ny tranon'i Yaveh toy ny hoe vehivavy miakanjo tsara tarehy na manao firavaka ary ny fahamasinan'i Yaveh toy ny hoe ilay akanjo tsara tarehy na firavaka. DH: "tsara tarehy ny tranonao satria masina Ianao" na "mahatsara tarehy ny tranonao tahaka ny akanjo sy firavaka tsara tarehy mahatsara kokoa ny vehivavy ny fahamasinanao"
ny tempoly any Jerosalema
mahatsara tarehy
1 Ry Yaveh, Andriamanitra mamaly faty, Andriamanitra mamaly faty, mamirapiràta eo aminay. 2 Mitsangàna, ry mpitsaran'ny tany, omeo ny mpirehareha izay mendrika azy ireo. 3 Mandra-pahoviana ny ratsy fanahy, ry Yaveh, mandra-pahoviana ny ratsy fanahy no 4 hiravoravo? Mandraraka ny teny fiavonavonany izy ireo; izay rehetra manao ratsy mieboebo avokoa. 5 Notorotoroin'izy ireo ny olonao, ry Yaveh; mampahory ny firenena izay Anao izy ireo. 6 Mamono ny mpitondratena sy vahiny izay miaina any amin'ny fireneny izy ireo, ary mamono ireo kamboty ray. 7 Hoy izy ireo hoe: "Tsy hahita Yaveh, ary ilay Andriamanitr'i Jakoba dia tsy hatsikaritra izany." 8 Mahatakàra, ianareo ry olona tsy misaina! Ianareo adala, rahoviana ianareo no mba hianatra? 9 Izy izay nanao ny sofina, moa ve tsy maheno Izy? Izy izay nanao ny maso, moe ve tsy mahita Izy? 10 Izy izay mifehy ireo firenena, moa ve tsy manitsy izy? Izy ilay manome fahalalana ny olona. 11 Yaveh mahalala ny sain'ny olona, fa zava-poana izy ireo. 12 Sambatra izay ampianarinao, ry Yaveh, ilay ampianarinao avy amin'ny lalànao. 13 Nomenao fitsaharana izy tamin'ny fotoan'ny olana mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy fanahy. 14 Fa Yaveh tsy hahafoy ny olony na handao ny lovany. 15 Fa ny fitsaràna dia ho marina indray; ary ireo rehetra izay mahitsy fo dia hanaraka izany. 16 Iza no hitsangana hiaro ahy amin'ireo mpanao ratsy? Iza no hijoro ho ahy hanohitra ny ratsy fanahy? 17 Raha tsy Yaveh no nanampy ahy, dia efa saika nitsilany tany amin'ny toeran'ny fahanginana aho toy izay. 18 Rehefa niteny aho hoe: "Mangozohozo ny tongotro," dia nanohana ahy, ny famindram-ponao, ry Yaveh. 19 Rehefa maro ny ahiahiako, dia mampifaly ahy ireo fampiononanao. 20 Afaka miaraka aminao ve ny seza fiandrianan'ny faharavana, ilay mamorona ny tsy rariny amin'ny alalan'ny lalàna? 21 Niara-nitetika izy ireo mba hifofoana ny ain'ny marina ary manameloka ho faty ireo tsy manan-tsiny. 22 Fa Yaveh no efa tilikamboko avo, ary vatolampy fialofako ny Andriamanitro. 23 Hitondra ny helok'izy ireo eo aminy Izy ary handringana azy ireo amin'ny faharatsiany manokana. Hamono azy ireo Yaveh Andriamanintsika.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"asehoy ny tenanao" na "asehoy ny fahamarinanao"
"Tongava, tsarao ny tany, ary faizo ny mpirehareha"
Ny mpanao salamo miteny ny fanombohana hanao zavatra tahaka ny mifoha. Raha toa ka misy teny ho an'ny fanombohana hiasa ny fiteninao, dia ampiasao eto izany. DH: "Miasà" na "Manaova zavatra"
Ny mpanao salamo mamerimberina ny fanontaniana mba hampisehoana fa tsy faly amin'ny fotoana amelan'i Yaveh ny ratsy fanahy hifaly. Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Efa niandry ela loatra Ianao ry Yaveh; efa niandry ela loatra Ianao mba hampitsahatra ny ratsy fanahy amin'ny fifaliana."
Ny antony hiravoan'ny ratsy fanahy dia azo ambara mazava tsara. DH: "ny ratsy fanahy no hiravoravo satria tsy mba manafay azy ireny mihitsy Ianao amin'ireo asa ratsy ataony"
"ireo rehetra izay manao ratsy"
Ny mpanao salamo manoratra ny filazan'ny ratsy fanahy toy ny hoe rano araraka ny tenin'izy ireo.
"izay rehetra manao ny ratsy mirehareha momba ireo asa ratsiny sy ny fihetsiny"
Eto ny fibangoan-teny "firenena" dia manondro ny vahokan'ny firenena. DH: "mampahory ny vahoakan'ny firenena"
Ny mpanao salamo miteny ny olona mahery mitondra ny olona tsy manan-kery amin-karatsiana toy ny hoe manorotoro azy ireo na mamotipotika azy ireo. DH: "Mamotika tanteraka izy ireo" na "Hanisy ratsy izy ireo." Jereo ny nanidkana ny "mamotipotika" ao amin'ny 72:4.
"ny vehivavy izay efa maty vady"
"zanaka tsy misy ray"
"tsy mahita izay ataontsika ny Andriamanitr'Israely"
Ny mpanoratra izao dia mampianatra ny olona ratsy fanahy.
Ity fanontaniana fampisainana ity dia manamafy ny hatezeran'ny mpanoratra amin'ny olona ratsy fanahy izay itenenany. Ity fanontaniana ity dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "ajanòny hatreo ireo fomba ratsinareo!" na "mianara amin'ny fahadisonareo!"
Ireo fanontaniana fampisainana ireo dia azo adika ho fanambarana tsotra na filaza mandidy. DH: "Andriamanitra nanao ny sofina, mba hahenoiny. Andriamanitra nanao ny maso, mba hahitany." na "Andriamanitra nanao ny sofina, koa ajanony ny fihetsika mody tsy maheno. Andriamanitra nanao ny maso, ko ajanony ny fihetsika mody tsy mahita."
Ny mpanoratra manohy mampianatra ny olona ratsy fanahy.
Ity fanontaniana ity dia azo adika ho fanambarana tsotra. Izany dia midika fa Yaveh manitsy ny vahoakany. DH: "Fantatrao fa Yaveh manitsy ireo firenena, koa azo antoka tokoa fa hanitsy ny vahoakany Izy" na "hanafay ny vahoakany Izy"
Eto ny fihevitry ny olon dia ampitahaina amin'ny entona na setroka izay tsy hita eny amin'ny rivotra. Ity sarinteny ity dia mampiseho ny tsy maha zava-dehibe sy tsy misy dikany azy ireo.
"entona." Jereo izay nandikana izany ao amin'ny 39:10.
Ankehitriny ny mpanoratra dia miresaka amin'i Yaveh indray.
Ny mpanao salamo miteny an'i Yaveh manafay ny ratsy fanahy toy ny hoe Yaveh namandrika biby ao anaty lavaka. DH: "mandra-pihadianao lavaka ho an'ny ratsy fanahy" na "mandra-pamotehanao ny ratsy fanahy"
"ireo izay nofidiany hiaraka aminy mandrakizay"
Ny mpanao salamo miteny an'ireo izay mitsara toy ny hoe izy ireo no fanapahakevitra izay ataony, Ny anarana "fitsarana" dia azo adika amin'ny matoanteny "mitsara." DH: "hitsara indray amim-pahamarinana ny mpitsara" na "hanana fanapahakevitra marina indray ny mpitsara"
Ny andianteny mpamaritoetra "mahitsy fo" dia azo adika ho andianteny anarana. DH: "ireo izay manana fo mahitsy amin'Andriamanitra"
"hila ny mpitsara hitsara amim-pahamarinana"
Azo adika ho fanamabarana tsotra izany. DH: "Tsy hisy hiaro ahy amin'ireo mpanao ratsy. Tsy hisy hanampy ahy hiady amin'ny ratsy fanahy."
Ny mpamaritoetra"ratsy fanahy" dia azo adika ho andianteny anarana. DH: "olona ratsy fanahy"
Ity dia mbola petra-kevitra ihany. Yaveh nanampy azy, mba tsy nandriany tany amin'ny toeran'ny fahanginana.
Eto ny "efa nandry" dia manondro "fahafatesana" ary ny "any amin'ny toeran'ny fahanginana" dia manondro ny fasana. DH: "fotoana fohy monja, dia maty aho, nandry tany amin'ny fasana mangina"
Ny mpanao salamo miteny ny ahiahy toy ny hoe azony isaina misaraka ny ahiahy. Ny anarana "fampiononana" dia azo adika amin'ny matoanteny "mampionona" na "mampahery." DH: "Raha nanahy ny amin'ny zavatra maro aho, dia Ianao no nampahery ahy sy nampifaly ahy"
Azo adika ho fanamabrana tsotra izany. DH: "tsy sakaizanao ny mpanapaka ratsy fanahy izay manao lalàna tsy marina"
Eto ny fibangoan-teny "seza fiandrianana" dia manondro mpanjaka iray na mpanapaka. DH: "mpanapaka ratsy fanahy" na "mpitsara ratsy"
Manao drafitra mangingina miaraka amin'ny olona hanao zavatra mampidi-doza na tsy ara-dalàna
Izany dia fomba fiteny izay midika famonoana olona.
Eto ny "tilikambo" dia sarinteny ho an'ny fiarovana. DH: "Yaveh no efa niaro ahy tamin'ireo fahavaloko"
Ny mpanao salamo miteny ny fananana an'Andriamanitra hiaro azy toy ny hoe toerana azo antoka izay ahafahan'ny mpanao salamo ho voaaro Andriamanitra. Jereo ao min'ny 62:7 ny nandikana ny "vatolampy" sy "fialofana." DH: "Efa nangataka tamin'Andriamanitra aho hiaro ahy, ary dia niaro ahy tamin'ny heriny Izy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "hanatanteraka amin'izy ireo ny zava-dratsy nataony tamin'ny hafa" na 2) "hanafay azy ireo noho ny zava-dratsy rehetra nataony tamin'ny hafa"
Izany dia fomba fiteny midika hoe "hamono azy ireo."
Ireo mety ho heviny dia 1) "raha mbola manao zava-dratsy izy ireo" na 2) "satria nahavita zava-dratsy izy ireo."
1 Avia, aoka isika hihira ho an'i Yaveh; aoka isika hihira am-pifaliana ho an'ilay vatolampin'ny famonjena antsika. 2 Aoka isika hiditra amin'ny fanatrehany amin'ny fisaorana; aoka isika hihira ho Azy amin'ny salamo fiderana. 3 Fa Yaveh no Andriamanitra lehibe sy Mpanjaka lehibe ambonin'andriamanitra rehetra. 4 Eo an-tanany ireo fitoerana lalin'ny tany; Azy ireo fitoerana avon'ny tendrombohitra rehetra. 5 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao izany, ary ny tanany no nahary ny tany maina. 6 Avia, aoka isika hanompo sy hiankohoka; aoka isika handohalika eo anatrehan'i Yaveh, mpahary antsika: 7 Fa Izy no Andriamanitsika, ary vahoakan'ny fihinanam-bilony sy ondrin'ny tanany isika. Anio—enga anie ka ho henoinao ny feony! 8 Aza manamafy ny fonao, toy ny tao Meriba, na toy ny tamin'ny andron'i Masa tany an'efitra, 9 izay nitsapana sy nanandraman'ireo razambenareo Ahy, na dia hitan'izy ireo aza ireo asako. 10 Fa efapolo taona no tezitra tamin'izany taranaka izany Aho ka niteny hoe: 'Ity dia vahoaka manana fo mania; tsy nankatò Ahy izy ireo.' 11 Noho izany dia nivoady tamin-katezerana Aho mba tsy hiditra ao amin'ny toeram-pitsaharako mihitsy izy ireny
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ny mpanao salamo miteny an'i Yaveh toy ny hoe tendrombohitra azo antoka izay azon'ny olona hiainihana. DH: "ilay vatolampy izay azontsika aleha ary Andriamanitra no hanavotra antsika." Jereo ny fomba nandikana ny "vatolampy" sy "famonjena" ao amin'ny 18:46.
Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe asainy mandeha mankao amin'ny efitrano fiandrianan'ny mpanjaka ny vahoaka. DH: "handeha any amin'izay misy Azy"
"hisaotra Azy raha tafiditra ao amin'ny fanatrehany"
Ireo mety ho hevitry ny hoe Yaveh no mpanjaka lehibe dia 1) "izay manapaka amin'ireo andriamani-kafa rehetra," na 2) "izay tsara lavitra mihoatra ny andriamani-kafa rehetra"
Izany dia fomba fiteny izay midika "ambany fanapahany" na "Izy no tomponandraikitra amin'ny."
toerana lalina
toerana avo
Ny teny "tanana" dia sarinteny ho an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "Izy tenany mihitsy no nahary"
mametraka ny lohalika amin'ny tany, matetika mampiseho fa miaiky.
Ny teny "fihinanam-bilona" dia sariteny ho an'ny sakafo izay hanin'ny biby ao amin'ny fihinanam-bilona, izay fibangoan-teny ho an'ny zava-drehetra izay vatsian'i Yaveh ho an'ny vahoakany. DH: "izahay no olona izay tohanany"
toerana izay ahitan'ny biby ahitra hoanina
Ny teny "tanana" eto dia manondro ny fomba hiarovan'i Yaveh ny vahoakany tahaka ny hiarovan'ny mpiandry ny ondriny. DH: "ny olona izay arovany tahaka ny mpiandry ondry miandry ny ondriny"
"enga anie ka ho henoinao ny feony!" Ny mpanao salamo minia manapaka izay lazainy.
Eto ny "feony" dia manondro ny fitandremana ny tenin'Andriamanitra. DH: "henoy tsara Izy"
Ankehitriny ny mpanoratra dia manoratra ireo teny izay nolazain'i Yaveh.
"miova ho mafiloha"
Ireo dia toerana any amin'ny tany efitra izay notononin'i Mosesy satria nikomy tamin'Andriamanitra ny Israelita.
Ireo andianteny roa ireo dia samy sarinteny ho an'ny olona mahita ny haben'ny ratsy azon'izy ireo atao mialohan'ny hamaizan'i Yaveh azy ireo. Ireo andianteny dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary azo akambana. DH: "nitsapa Ahy" na "te hahita raha afaka manao zava-dratsy tsy misy ny famaizako azy ireo ... nitsapa raha hitohy ho maharitra amin'izy ireo Aho" (UDB)
"ireo zava-mahagaga vitako"
Yaveh manohy miteny mivantana amin'ny vahoakany.
"40 taona"
"izay olona rehetra" na "izany taranak'olombelona rehetra izany"
Andriamanitra miteny ny vahoaka toy ny hoe ondry, izay handeha any amin'izay tiany sy tsy hijanona akaiky ny mpiandry azy ireo. DH: "manalavitra Ahy" na "mandeha amin'ny lalany manokana"
"tsy nankatoa Ahy izy ireo"
"ny fomba tiako hiainan'izy ireo"
"ny toerana izay efa namelako azy ireo hitsaharana"
1 Mihirà fihiram-baovao ho an'i Yaveh, mihirà ho an'i Yaveh, ry tany rehetra. 2 Mihirà ho an'i Yaveh, misaora ny Anarany; ambarao isan'andro isan'andro ny famonjeny. 3 Ambarao amin'ireo firenena ny voninahiny, ny asany mahagaga amin'ireo fierenena rehetra. 4 Fa lehibe Yaveh ka tokony ho deraina indrindra. Tokony atahorana ambonin'ny andriamani-kafa rehetra Izy. 5 Fa sampy avokoa ireo andriamanitry ny firenena rehetra, fa Yaveh no nanao ny lanitra. 6 Famirapiratana sy voninahitra no eo amin'ny fanatrehany. Hery sy hatsarana no ao amin'ny fitoerany masina. 7 Miderà an'i Yaveh, ianareo ry vahoaka, miderà an'i Yaveh nohon'ny voninahiny sy ny heriny. 8 Omeo ny voninahitra mendrika ny anarany Yaveh. Mitondrà fanatitra ka tongava ao an-kianjany. 9 Miankohofa eo amin'i Yaveh amin'ny fiakanjo manome voninahitra ny fahamasinany. Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra. 10 Mitenena amin'ireo firenena hoe: "Manjaka Yaveh." Voaorina ihany koa izao tontolo izao; tsy ho voahozongozona izany. Mitsara ara-drariny ireo olona Izy. 11 Aoka ho faly ny any an-danitra, ary aoka hiravoravo ny tany; Aoka hierona ny ranomasina ary hihiaka am-pifaliana izay mameno izany. 12 Aoka hifaly ireo saha sy izay rehetra ao aminy. Dia aoka hihiaka amin'ny hafaliana 13 eo anatrehan'i Yaveh ireo hazo rehetra any an'al, fa tonga Izy. Tonga mba hitsara ny tany Izy. Hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana Izy ary ireo olona amin'ny fahatokiany.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
fihirana izay tsy mbola nohiraina hatramin'izay
Izany dia manondro ny olon'ny tany. DH: "ianareo olon-drehetra monina ambonin'ny tany"
Ny teny "anarana" dia sarinteny ho an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "misaora an'i Yaveh" na "ataovy izay mahafaly an'i Yaveh." Jereo ny nandikana ny "hisaorana anie ny anarany be voninahitra" ao amin'ny 72:18.
Ny anarana "famonjena" dia azo adika amin'ny matoanteny "mamonjy." DH: "lazao ny olona fa Izy ilay manavotra"
"Lazao ny olon-drehetra amin'ny firenen-drehetra ny amin'ny voninahiny"
"any amin'izay misy azy"
Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe famirapiratana sy voninahitra no olona izay afaka ny hijoro eo anoloan'ny mpanjaka. DH: "Ny olon-drehetra mahalala ny famirapiratany sy ny voninahiny"
Ny teny "hery" sy "hatsarana" dia sarinteny ho an'ny fiaran'ny fanekena, izay hita ao amin'ny fitoerana masina. DH: "Ny fitoerany masina izay misy ny fiaran'ny fanekena"
Ny anarana "voninahitra" sy "hery" dia azo ambara ho mpamaritoetra. DH: "Miderà an'i Yaveh ... miderà an'i Yaveh satria be voninahitra sy mahery Izy." Jereo izay nandikana ireo teny ireo ao amin'ny 29:1.
Ny anarana "voninahitra" dia azo ambara ho matoanteny na mpamaritoetra. DH: "Omeo voninahitra araka izay mendrika ny anarany Yaveh" na "Ambarao fa be voninahitra Yaveh araka izay mendrika ny anarany." Jereo izay nandikana ireo teny ireo ao amin'ny 29:1.
"anarana" eto manondro ny olon'Andriamanitra. DH: "Izy"
Ny tokontanin'ny tempoly izay nisoronan'ireo mpisorona biby ho an'i Yaveh
Ny olona izay tokony hitafy akanjo maneho fa fantany fa Yaveh dia masina. "Yaveh, ary mitafy akanjo mendrika satria masina Izy." Jereo izay nandikana ireo teny ireo ao amin'ny 29:1.
mangovitra noho ny tahotra
"ny vahoakan'ny tany rehetra"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny mpanao salamo miteny toy ny hoe manana fihetseham-po toy ny olombelona ny lanitra sy ny tany. "Aoka izany ho tahaka ny hoe ravoravo ny lanitra ary hifaly ny tany" na 2) "Aoka izay monina any an-danitra ho faly ary aoka izay monina ambonin'ny tany ho ravo"
"aoka ny ranomasina ho re tahaka ny olo-maro midera an'i Yaveh, ary aoka izany ho toa izay monina any an-dranomasina mihiaka am-pifaliana"
"Aoka ireo saha sy izay rehetra ao aminny hifaly." Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe manana fihetseham-po tahaka ny olombelona "ireo saha" sy ireo biby izay miaina ao aminy.DH: "Aoka izany ho toy ny hoe mifaly ireo saha sy izay rehetra monina ao aminy"
"Dia hihiaka am-pifaliana ny hazo rehetra any an'ala"
Ireo andianteny telo ireo dia manana hevitra mifandraika; ireo andianteny roa farany dia ampiasaina ho fanamafisana ny voalohany.
Mety ho heviny hafa dia "manapaka ... hanapaka"
Eto ny "izao tonotlo izao" dia sarinteny ho an'ny olon'izao tontolo izao. DH: "Hitsara ny vahoakan'izao tontolo izao rehetra ara-drariny Izy." Jereo ny nandikana ireo teny ireo ao amin'ny 9:7.
"Izy hitsara ireo olona amin'ny fahatokiany
Ireo mety ho heviny dia 1) "ara-drariny, araka izay fantany fa marina" na 2) "amin'ny fampiasana ny miralenta ho an'ny olon-drehetra."
1 Manjaka Yaveh; aoka ny tany hifaly; aoka ny moron-tsiraka marobe ho ravo. 2 Rahona sy aizina no manodidina Azy. Fahamarinana sy rariny no fiorenan'ny seza fiandrianany. 3 Afo no mandalo eo anoloany ka mandevona ireo mpifanandrina aminy amin'ny lafiny rehetra. 4 Manazava izao tontolo izao ny tselany; mahita izany ny tany ka mihorohoro. 5 Miempo tahaka ny savoka eo anatrehan'i Yaveh, ilay Tompon'ny tany manontolo, ireo tendrombohitra. 6 Manambara ny fahamarinany ireo habakabaka, ary mahita ny voninahiny ny firenena rehetr. 7 Ho menatra ireo rehetra izay manompo sarin-javatra voasokitra, ireo izay mirehareha amin'ny sampy tsy misy dikany—miankohofa eo aminy, ianareo ry andriamanitra rehetra! 8 Naheno ny Ziona ka dia faly. Ary nifaly ny tanànan'i Joda noho ireo didinao marina, ry Yaveh. 9 Fa ianao, ry Yaveh, no avo indrindra ambonin'ny tany rehetra. Asandratra avo indrindra ambonin'ireo andriamanitra rehetra Ianao. 10 Ianao izay tia an'i Yaveh, mankahalà ratsy! Miaro ny ain'ireo olony masina Izy, ka maka azy ireo tsy ho eo an-tanan'ny ratsy fanahy. 11 Nafafy tamin'ny marina ny fahazavana ary ny fifaliana ho an'ireo mahitsy fo. 12 Meteza hifaly ao amin'i Yaveh, ianareo olo-marina; ary manolora fisaorana rehefa mahatsiaro ny fahamasinany ianareo.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ny tany sy ireo moron-tsiraka dia lazaina fa manana fihetseham-po. DH: "Mifalia sy miravoa ry olombelona rehetra ambonin'ny tany sy manakaiky ny ranomasina"
Ireo mety ho heviny dia 1) "tany amoron-dranomasina" na 2) "nosy"
"Tsy hitantsika Izy; toy ny hoe nipetraka tanaty aizina misy rahona manodidina Izy"
Ny teny "seza fiandrianana" dia sarinteny ho an'ireo asa sy tenin'Ilay mipetraka eo amin'izany. Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe zavatra hita maso ny fahamarinana sy fahitsiana ary miaro ny seza fiandrianana. DH: "Marina sy mahitsy Izy amin'izay rehetra ataony" na "Hainy ny manjaka satria manapaka amim-pahamarinana sy fahitsiana Izy"
Eto "ny fiorenan'ny seza fiandrianany" dia manondro ny fomba hanapahan'i Yaveh ny fanjakany.
Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe olombelona mandeha eo anoloan'i Yaveh Mpanjaka ny afo ka miteny ny olona fa tonga ny mpanjaka.
"mandoro ireo fahavalony"
"ny tany" dia manondro an'ireo olona izay monina ety ambonin'ny tany. DH: "ny vahoaka ambonin'ny tany mahita dia mihorohoro"
"mangovitra amin-tahotra"
"Tsy mahavita mijoro ireo tendrombohitra rehefa manatona akaiky Yaveh" na "Mirodana ireo tendrombohitra eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny mpanao salamo miteny toy ny hoe ny habakabaka no irak'i Yaveh izay manambara fa mahitsy Yaveh. DH: "Azon'ny rehetra jerena fa mahitsy Andriamanitra, tahaka ny olon-drehetra mahita habakabaka" na 2) ny habakabaka dia manondro ny zava-miaina monina any an-danitra. DH: "Izay rehetra monina any an-danitra manambara fa mahitsy Yaveh" (UDB)
Izany dia manondro an'ireo vahoaka monina ao amin'ireo tany ireo. DH: "Naheno ny vahoakan'i Ziona ... ny vahoakan'i Joda"
Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe ireo izay natanjaka ampy hanapahana no avo kokoa mihoatra ny sasany. DH: "manalaka amin'ireo vahoaka rehetra izay monina"
Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe ireo izay natanjaka ampy hanapahana no avo kokoa mihoatra ny sasany. DH: "Avo lavitra Ianao"
"fahefan'ny ratsy fanahy"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary miaraka ampiasaina ho fanamafisana. DH: "Yaveh mamafy hazavana ho an'izay manao ny marina, ary afafiny amin'izay mahitsy fo ny fifaliana"
Ny teny "nafafy" dia fomba ilazana asa amin'ny vokany mbola hoavy. Ny "hazavana" dia sarinteny ho an'ireo zava-tsoa. DH: "Yaveh no mikasa ireo zava-tsoa hitranga amin'ny marina amin'ny hoavy"
Ny mpamaritoetra "marina" dia azo adika ho andianteny anarana. DH: "olo-marina"
"ary fifaliana no afafy amin'izay mahitsy fo." Ny teny "afafy" dia sarinteny ho an'ny asa amin'ny vokany mbola hoavy. DH: "Yaveh mikasa an'ireo olona mahitsy fo mba ho sambatra amin'ny hoavy"
Ny fo dia fibangoanteny ho an'ilay olona manontolo. DH: "olona mahitsy"
Ity andininy ity dia misy didy arahin'ny antony ho an'ilay didy. Raha mitady ny antony mifanaraka amin'ny didy ny fiteninao dia: "Noho izay nataon'i Yaveh ho anareo, ry olo-marina, mifalia ary misaora rehefa mahatsiaro ny fahamasinany ianareo."
"Mifalia noho izay nataon'i Yaveh taminareo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "rehefa mahatsiaro ny maha masina Azy ianareo" na 2) "ny anarany masina," sarinteny ho an'ny "Azy."
Salamo. 1 Mihirà fihiram-baovao ho an'i Yaveh, fa nanao zava-mahagaga Izy; nanome fandresena Azy ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina. 2 Nampahafantatra ny famonjeny Yaveh; nampiseho ampahibemaso ny fahamarinany tamin'ireo firenena rehetra Izy. 3 Mahatsiaro ny tsy fivadiham-panekeny sy ny fanekena mahatokiny ho an'ny taranak'Israely Izy; hahita ny fandresen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra. 4 Mihobia ho an'i Yaveh, ry tany rehetra; Velomy ny hira; mihirà amim-pifaliana, ka mihirà fiderana. 5 Mihirà fiderana ho an'i Yaveh amin'ny harpa, amin'ny valiha sy hira mahafinaritra. 6 Amin'ny trompetra sy ny feon'ny anjomara, manaova hiakam-pifaliana eo anatrehan'ilay Mpanjaka, dia i Yaveh. 7 Aoka hihiaka ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; izao tontolo izao sy izay rehetra monina ao aminy! 8 Aoka ireo renirano hiteha-tanana, ary aoka ireo tendrombohitra hihiaka fifaliana. 9 Tonga hitsara ny tany Yaveh; hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana Izy ary ireo firenena amin'ny hitsiny.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
fihirana izay tsy mbola nohiraina hatramin'izay. Jereo izay nandikana izany ao amin'ny 96:1.
Ny teny "tanana ankavanana" sy "sandry masina" dia manondro ny herin'i Yaveh. miara-manamafy ny haben'ny heriny ireo. DH: "ny heriny tena lehibe"
Ireo mety ho heviny dia 1) "namela Azy handavo ireo fahavalony" na 2) "namela Azy hanavotra ny vahoakany"
ny tanany mahery sy kinga kokoa
Eto ny "sandry" dia sarinteny ho an'ny fahefana. DH: "ny fahefana izay Azy irery ihany"
Ny anarana "famonjena" dia azo adika amin'ny matoanteny "mamonjy." DH: "nampiseho ny olona fa man=monjy ny olony Izy"
Ny anarana "fahitsiana" dia azo adika amin'ny matoanteny "mahitsy." Ny teny "firenena" dia sarinteny ho an'ny "vahoaka izay monina any amin'ireo firenena rehetra." DH: "nampiseho ny vahoaka izay monina any amin'ireo firenen-drehetra fa mahitsy Izy"
Ireo dia sarinteny ho an'ny vahoakan'ny tany. DH: "olona manerana ny tany rehetra ... olona rehetra ambonin'ny tany"
Ny anarana "fandresena" dia azo adika ho "mandresy." DH: "hahita ny Andriamanitsika mandresy ireo fahavalony"
"atombohy tampoka ny hiram-pifaliana"
"mihirà satria faly ianareo"
"mihirà fiderana ho an'Andriamanitra"
feon-kira mahafinaritra
tandroka biby ampiasaina ho zava-maneno
"manandrata hiaka." Jereo ny nandikana ny "hiaka" ao amin'ny 47:1.
Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe olombelona afaka mihiaka ho an'Andriamanitra ny ranomasina. DH: "Aoka izany ho toy ny hoe mihiaka ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy"
Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe izao tontolo izao no olombelona. DH: "ary aoka izao tontolo izao sy izay rehetra ao aminy hihiaka"
Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe olona afaka hiteha-tanana sy hihiaka ny renirano sy ny tendrombohitra. DH: "Aoka izay ho toy ny hoe miteha-tanana ny renirano ary ny tendrombohitra nihiaka fifaliana"
Ireo andianteny ireo dia sarinteny ho an'ny "vahoakan'izao tontolo izao" ary "ny vahoaka izay monina any amin'ireo firenena"
"hitsara ireo firenena amin'ny fahitsiana Izy"
"amim-pahitsiana" na "mampiasa ny miralenta ho an'ny olon-drehetra"
1 Manjaka Yaveh; aoka hangovitra ireo firenena. Mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana eo ambonin'ny Kerobima Izy; mihorohoro ny tany. 2 Lehibe ao Ziona i Yaveh; asandratra ambonin'ireo firenena rehetra Izy. 3 Aoka izy ireny hidera ny anaranao lehibe sy mampahatahotra; Masina Izy. 4 Mahery ny mpanjaka, ary tia rariny Izy. Efa nampitoetra rariny Ianao; efa nanao fahamarinana sy fahitsiana tamin'i Jakoba Ianao. 5 Derao Yaveh Andriamanitsika ary tompoy eo amin'ny fitoeran-tongony Izy. Masina Izy. 6 Isan'ireo mpisorony i Mosesy sy Arona, ary Samoela isan'ireo izay niovavaka taminy. Nivavaka tamin'i Yaveh izy ireo, ka dia namaly azy ireo Izy. 7 Niteny tamin'izy ireo tamin'ny alalan'ny andry rahona Izy. Nihazona ny didiny masina izy ireo ary ny lalàna izay efa nomeny ho azy ireo. 8 Namaly azy ireo Ianao, ry Yaveh Andriamanitray. Andriamanitra mpamela heloka Ianao tamin'izy ireo, nefa Ilay nanasazy tamin'ny fahotany. 9 Miderà an'i Yaveh Andriamanitsika, ary manompoa Azy ao amin'ny tendrombohiny masina, fa Yaveh Andriamanitsika dia Masina.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Izany dia manondro an'ireo vahoakan'ny firenen-drehetra. DH: "ny vahoakan'ny firenen-drehetra"
mangovitra amin-tahotra
Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe ny seza fiandrianana izay itoeran'i Yaveh dia eo ambony kerobima eo amin'ny saron'ny fiaran'ny fanekena ao an-tempoly.
mihovitra
"Tsy vitan'ny hoe lehibe ao Ziona fotsiny Yaveh, fa asandratra ambonin'ireo firenen-drehatra Izy" na "Tsy manapaka any Ziona fotsiny Yaveh, fa manapaka manerana ny firenena rehetra"
Eto ny mpanoratra mampifamadika ny miteny ny momba an'Andriamanitra, ho amin'ny firesahana amin'Andriamanitra. Aorian'ity andianteny ity izy, dia miverina miteny momba an'Andriamanitra indray.
Ny anarana "rariny" dia azo adika amin'ny andianteny "izay rariny." DH: "tia manao izay rariny Izy"
Ny anarana "fahitsiana" dia sarinteny ho an'ireo lalàna marina. "Ny lalàna efa napetrakao dia rariny"
"manoloana ny seza fiandrianany"
"voatokana"
"Namaly ny vahoakanao Ianao"
"tendrombohitra Ziona"
Salamo fanomezam-pisaorana. 1 Mihobia am-pifaliana an'i Yaveh, ry tany rehetra. 2 Manompoa an'i Yaveh amim-piravoravoana; mandehana eo anatrehany amin'ny fihirana fihobiana. 3 Fantaro fa i Yaveh no Andriamanitra; nanao antsika Izy, ary Azy isika. Vahoakany sady ondrin'ny fihinanam-bilony. 4 Midira amin'ireo vavahadiny amin'ny fanomezam-pisaorana ary ao an-kianjany amin'ny dera. Manolora fisaorana Azy ary derao ny anarany. 5 Fa tsara Yaveh; maharitra mandrakizay ny famindram-pony ary manerana ireo taranaka rehetra ny fahamarinany.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Asandrato ny hoby ho an'i Yaveh." Jereo ny nandikana ny "hiaka" ao amin'ny 47:1.
Izany dia manondro ny vahoakan'ny tany rehetra. DH: "ny olon-drehetra ambonin'ny tany"
Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe izy maniraka ny mpamaky handeha ao amin'ny efitrano faindrianan'ny mpanjaka. DH: "mandehana any amin'izay misy Azy amin'ny hiram-pifaliana" na "afaka mandre anao Izy, koa mihirà am-pifaliana"
Ny vahoakan'Andriamanitra dia tahaka ny ondry. DH: "ny vahoaka izay vatsian'Andriamanitra sy arovany"
toerana feno ahitra ho famahanana biby
"amin'ny fisaorana Azy" na "amin'ny fanoloram-pisaorana Azy
Ny teny "anarana" dia sarinteny ho an'i YAveh tenany mihitsy. DH: "misaora an'i Yaveh" na "ataovy izay mahafaly an'i Yaveh." Jereo ny nandikana ny "hisaorana anie ny anarany be voninahitra" ao amin'ny 72:18.
"maharitra manerana ny taranaka rehetra ny fahamarinany"
"isaky ny taranaka mifandimby." Jereo ny nandikana izany ao amin'ny 89:3.
1 Salamo nataon'i Davida. Hihira ny fanekena mahatoky sy fahamarinana aho; ho Anao, ry Yaveh, hihira fiderana aho. 2 Handeha amin'ny lala-marina aho. endrey, rahoviana no ho tonga eto amiko Ianao? Andeha amin'ny fahitsiana ao an-tranoko aho. 3 Tsy hanisy fahadisoana anoloan'ny masoko aho; mankahala ny ratsy tsy mendrika aho; ary tsy hifikitra amiko izany. 4 Handao ahy ny mpamadika; tsy hankasitraka ny ratsy aho. 5 Ho potehiko izay rehetra manendrikendrika mangingina ny namany. Tsy handefitra ny olona izay manana fihetsika mieboebo sy toe-tsaina miavonavona aho. 6 Hijery ny olo-mahatoky eo amin'ny tany aho mba hipetraka eo anilako. Izay mandeha amin'ny lala-marina no mahazo manompo ahy. 7 Tsy hitoetra ao an-tranoko ny olona mpamitaka; tsy ho tongasoa eo anoloan'ny masoko ny mpandainga. 8 Isa-maraina isa-maraina no hamotehako ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany; hesoriko avy ao amin'ny tanànan'i Yaveh ny mpanao ratsy rehetra.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Eto Davida dia miteny momba ny "miaina" toy ny hoe "mandeha." DH: "Hiaina amin'ny fomba marina sy mahitsy aho" na "Hiaina fiainana feno fahitsiana aho"
Eto Davida dia miteny momba ny "miaina" toy ny hoe "mandeha." Ary koa, Davida miteny ny fiandraiketana ny ankohonany amin'ny fahitsiana, toy ny hoe zavatra hita maso mitoetra ao an-tranony ny fahitsiana. DH: "Hiandraikitra ny ankohonako amin'ny fahitsiana aho"
Ny "fahadisoana" dia anarana azo soratana ho andianteny. Ny fomba fiteny: "manisy ratsy eo ambany masoko" midika hoe manaiky izany. DH: "Tsy hanaiky na iza na iza manao zavatra diso eo amin'ny fanatrehako aho"
Davida mamaritra ny "ratsy" toy ny hoe zavatra tsy afaka ny hifikitra aminy. Izany dia midika fa hanalavitra ireo zava-dratsy sy ireo olona manao izany izy. DH: "Hanalavitra tanteraka ny ratsy aho"
mihazona zavatra na olona mafy dia mafy
"ny zava-drehetra izay ratsy"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy ny maha mpirehareha ny olona toy izany.
Izany dia midika fa Davida hamela an'ireny olona ireny ho hanakaiky azy sy hiara-honina aminy. DH: "Hamela ny mahatoky amin'ny tany aho hiara-monina amiko"
Izany dia manondro ny olona izay mahatoky amin'Andriamanitra. DH: "ny olo-mahatoky"
Eto Davida dia miteny momba ny "miaina" toy ny hoe "mandeha." DH: "miaina amin'ny lalana marina sy mahitsy" na "miaina amin'ny fiainana feno fahitsiana"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary miaraka ampiasaina hanamfisana an'i Davida tsy handefitra amin'ireo olona mpamitaka.
Eto ny "masoko" dia manondro an'i Davida tenany mihitsy. DH: "eo anoloako" na "eo amin'ny fanatrehako"
"Isan'andro isan'andro" (UDB)
Izany dia manondro an'ireo olona ratsy fanahy. DH: "ny olona ratsy fanahy"
Davida manondro ny tanàna izay misy azy ho "ny tanànan'i Yaveh." Azo atao mazava tsara izany. DH: "avy ao amin'ity tanàna, izay tanànan'i Yaveh ity"
Ny fivavaky ny ory rehefa reraka izy ary mandraraka ny fitarainany manoloana an'i Yaveh. 1 Henoy ny fivavako, ry Yaveh; henoy ny tarainako Aminao. 2 Aza afenina amiko amin'ny androm-pahoriako ny tavanao. Henoy aho. Raha miantso Anao aho, dia valio faingana re. 3 Mandalo tahaka ny setroka ny androko, ary mandoro tahaka ny afo ny taolako. 4 Torotoro ny foko, ary tahaka ny ahitra malazo aho. Adinoko ny mihinan-kanina 5 Noho ny fisentoko mandrakariva, dia niova ho nahia fatratra aho. 6 Tahaka ny sama any an'efitra aho; niova ho tahaka ny vorondolo any an-tanàna haolo. 7 Tsy mahita tory tahaka ny vorona mandeha irery aho; irery ao an-tampon-trano. 8 Miteny ratsy ahy ireo fahavaloko isan'andro lava izao; ireo mpaneso ahy mampiasa ny anarako ho fanozonana. 9 Mihinana lavenona tahaka ny mofo aho ary mampifangaro ny zava-pisotroko amin'ny ranomaso. 10 Noho ny haviniran'ny fahatezeranao, no nanandratanao ahy mba handavoana ahy. 11 Tahaka ny aloka malazo ny androko; ary nalazo tahaka ny ahitra aho. 12 Nefa, Ianao, ry Yaveh, dia velona mandrakizay, ary ho an'ireo taranaka rehetra ny lazanao. 13 Hitsangana Ianao ka hamindra fo amin'i Ziona. Izao no fotoana hamindrana fo aminy; tonga ny fotoana voatondro. 14 Fa ireo mpanomponao dia mitàna ireo vato malalany ary mangoraka ny vovoky ny faharinganany. 15 Hanaja ny anaranao ireo firenena, ry Yaveh, ary hanandratra ny voninahitrao ny mpanjakan'ny tany rehetra. 16 Hanamboatra an'i Ziona indray Yaveh ka hiseho ao amin'ny voninahiny. 17 Amin'izany fotoana izany, dia hamaly ny fivavaky ny mahantra izy; tsy handà ny vavak'izy ireo Izy. 18 Hosoratana ho an'ireo taranaka ho avy izany, ary ny olona tsy mbola teraka dia hidera an'i Yaveh. 19 Fa efa niondrika nijery avy any amin'ny avony masina Izy; avy any an-danitra Yaveh no mitazana ny tany, 20 mba handre ny fisenton'ireo gadra, mba hamotsotra ireo izay voaheloka ho faty. 21 Dia hanambara ny anaran'i Yaveh any Ziona sy any Jerosalema ny olona 22 rehefa miara-miangona mba hanompo an'i Yaveh ireo vahoaka sy ireo fanjakana. 23 Efa nesoriny tamiko teo an'ivon'ny fiainako ny heriko. Nafoheziny ny androko. 24 Hoy aho hoe: "Andriamanitro o, aza esorina eo an'ivon'ny fiainako aho; fa eo manerana ny taranaka rehetra Ianao. 25 Nametraka ny tany tamin'ny fitoerany Ianao fahiny; asan'ny tananao ny lanitra. 26 Ho levona ireo, fa Ianao hitoetra; hiha-antitra tahaka ny fitafiana avokoa ireo; tahaka ny akanjo, ho esorinao ireo, ka hanjavona. 27 Nefa Ianao tsy miova, ary tsy hanam-piafarana ny taonanao. 28 Ny zanak'ireo mpanomponao ho velona, ary ho velona eo amin'ny fanatrehanao ny taranak'izy ireo."
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Izany dia manondro lehilahy izay nampahoriana. DH: "ny lehilahy nampahoriana"
"osa" na "ketraka"
Ny fomba nanehoan'ny mpanoratra ny fitarainany dia ampitahaina amin'ny fandrarahana rano. DH: "maneho amin-kalalahana ny alahelony amin'i Yaveh"
Eto ny "androko" dia manondro ny fiainan'ny mpanoratra ary ny hevitry ny "setroka" dia zavatra manjavona malaky. DH: "mandalo malaky ny fiainako"
Eto ny mpanoratra dia manondro ny "vatany" ho toy ny "taolana." DH: "mahatsiaro tahaka may ny vatako"
Eto ny mpanoratra dia manondro ny tenany toy ny "fo." DH: "Anaty famoizam-po aho"
Izany dia fomba iray hafa hamaritana ny famoizam-pony. DH: "mahatsiaro tena maina toy ny ahitra malazo aho"
Mampitaha ny ny tenany manirery amin'ny an'ny sama izy, izay matetika toa irery foana raha tokony ho miaraka amin'ny vorona hafa. DH: "Irery sy tsinontsinoavina tahak ny sama any an'efitra aho"
vorona lehibe mpihinan-trondro
Ny mpanoratra manohy mamaritra ny maha manirery amin'ny fampitahana ny tenany amin'ny vorondolo ao an-tanàna haolo. DH: "niova ho irery tahaka ny vorondolo ao an-tanàna haolo aho"
Io dia vorona mifoha amin'ny alina. DH: "voron'ny alina"
Ny mpanoratra mampitaha ny tenany amin'ny vorona mba hanamafisana ny fahatsapany ny maha irery.
Davida nipetraka tanaty lavenona mba ho fihetsika fisaonana, noho izany ny lavenona dia mety nilatsaka tanatin'ny sakafony. DH: "Satria misaona aho, dia milatsaka amin'ny mofo haniko ny lavenona"
Davida akory tsy hoe ninia nampifangaro ranomaso ny zava-pisotrony; fa kosa nilatsaka tao anaty kapoakany ny ranomasony raha nisaona sy nitomany izy. DH: "ary nilatsaka tanaty kapoaka ho sotroiko ny ranomasoko"
Andriamanitra akory tsy tena hoe nanainga sy nandavo ny vatan'i Davida tamin'ny tany; fa kosa Davida miteny izany mba hamaritana izay tsapany sy niainany. DH: "toy ny hoe nanainga ahy Ianao mba handavoana ahy"
Davida mampitaha ny fotoany sisa hiainany eto an-tany amin'ny aloka mihalefy. DH: "Fohy tahaka ny aloka hariva izay ho lasa tsy ho ela ny fotoana ahavelomako" (UDB)
Satria miha-osa ny vatan'i Davida ary miha-manakaiky ny fiafaran'ny fiainany izy, mampitaha ny tenany amin'ny ahitra malazo izy. DH: "miha-osa tahaka ny ahitra malazo ny vatako"
maina sy mikentrona
"ho fantatra ho an'ireo taranaka ho avy rehetra Ianao"
fantatr'olona marobe
Eto ny "Ziona" dia manondro ny vahoaka izay monina any Ziona. DH: "hamindra fo amin'ny vahokan'i Ziona"
Manondro an'i Ziona io.
Ny "vato" dia manondro an'ireo vato izay mandrafitra ny mandan'ny tanàna mialohan'ny hahapotika izany. DH: "mbola tia ny vato izay tanatin'ny mandan'ny tanàna fahiny" (UDB)
Eto "ny anaranao" dia manondro an'i Yaveh. DH: "Ianao"
Hanome voninahitra an'i Yaveh ny olona noho ny voninahiny. Eto Yaveh dia tondroina amin'ny voninahiny. DH: "hanome voninahitra Anao satria be voninahitra Ianao"
"Hiseho ho be voninahitra" na "hahita ny voninahiny ny olona"
Izany dia manondro an'ireo olona mahantra.
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary miaraka ampiasaina ho fanamafisana ny ny fomba hijeren'Andriamanitra ambany avy any an-danitra.
"ny fitoerany masina avo ambonin'ny tany"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary manamafy ny hevitry ny fiderana ny anaran'i Yaveh.
Ny teny tsy ampy dia azo ampiana. DH: "sy hanambara ny fiderana Azy.
Davida mamaritra an'Andriamanitra mahatonga azy ho reraka toy ny hoe zavatra hita maso ny heriny ary azo alàna aminy. DH: "nahatonga ahy ho reraka" (UDB)
Ny teny "andro" eto dia manondro ny fiainany. DH: "ny fiainako"
Davida mangataka amin'Andriamanitra mba tsy hamela azy hofaty. DH: "aza esorina amin'ny tany aho" (UDB) na "aza avela hofaty aho"
"manatrika manerana ny taranaka rehetra Ianao"
Ny teny "izy ireo" dia manondro "ny tany" sy "ny lanitra"
Eto Davida dia mamaritra ny halavan'ny fotoana izay haveloman'Andriamanitra ho ny "taonany." DH: "hiaina mandrakizay Ianao"
"hitohy ho velona"
Eto Davida dia mamaritra an'ireo taranaka voaaron'i Yaveh ho toy ny eo amin'ny fanatrehany. DH: "ho voaaro raha eo amin'ny fanatrehanao" (UDB)
Salamo nataon'i Davida. 1 Hidera an'i Yaveh aho amin'ny fiainako rehetra, sy izay rehetra ato anatiko, hidera ny anarany masina aho. 2 Hidera an'i Yaveh amin'ny fiainako rehetra aho, ary hahatsiaro ireo asany soa rehetra. 3 Mamela ny helokao rehetra Izy; manasitrana ny aretinao rehetra Izy. 4 Manavotra ny ainao amin'ny faharavana Izy; manarona fanekena mahatoky anao Izy ary mamindra fo tokoa. 5 Manao izay mahafa-po ny fiainanao amin'ny zava-tsoa Izy mba ho vao tahaka ny voromahery indray ny fahatanoranao. 6 Manao izay rariny Yaveh ary manao ny asan'ny fahamarinana ho an'ny ory rehetra. 7 Nampahafantariny an'i Mosesy ny lalany, ary tamin'ny taranak'Israely ireo asany. 8 Mamindra fo sy miantra Yaveh; mahari-po; sady be famindra-po. 9 Tsy hanafay mandrakariva Izy; ary tsy tezitra mandrakariva. 10 Tsy manao antsika araka izay mendrika ny fahotatsika Izy na mamaly antsika araka izay takian'ny otantsika. 11 Tahaka ny haavon'ny lanitra ambonin'ny tany, no haben'ny famindra-pony amin'ireo izay manome voninahitra Azy. 12 Tahaka ny halaran'ny atsinanana amin'ny andrefana, dia izany no halaviran'ny hanesorany ny heloky ny fahotantsika amintsika. 13 Tahaka ny ray mangoraka ny zanany, no angorahan'i Yaveh ireo izay manome voninahitra Azy 14 Fa fantany ny nanaovany antsika; fantany fa vovoka isika. 15 Raha ny amin'ny olona, dia tahaka ny ahitra ny androny; maniry tahaka ny voninkazo any an-tsaha izy. 16 Tsofin'ny rivotra izany, ka manjavona, ary tsy misy na iza na iza afaka milaza hoe taiza no nanirian'izany taloha. 17 Nefa ny famindram-pon'i Yaveh dia avy amin'ny maharitra mandrakizay hatramin'ny maharitra mandrakizay ho an'ireo izay manome voninahitra Azy. Mihitatra any amin'ny taranak'izy ireo ny fahamarinany. 18 Mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro ny fankatoavana ireo fampianarany izy ireo. 19 Efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra Yaveh, ary manjaka amin'ny olona rehetra ny fanjakany. 20 Miderà an'i Yaveh, ianareo anjeliny, ianareo maheriny izay matanjaka sy manao ny teniny, ary mankatò ny feon'ny teniny. 21 Miderà an'i Yaveh, ry miaramilany rehetra, ianareo mpanompony izay manatanteraka ny sitra-pony. 22 Miderà an'i Yaveh, ry zava-boahariny rehetra, any amin'ny toerana rehetra izay anjakany. Hidera an'i Yaveh amin'ny fiainako rehetra aho.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida no nanoratra ny salamo na 2) ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy ny haben'ny fiderany an'i Yaveh. DH: "Hidera an'i Yaveh amin'izay rehetra ato anatiko"
Izany dia manondro fiderana ny anaran'i Yaveh ho Yaveh.
"ny amiko rehetra" na "Izaho manontolo." Davida mampiasa ity andianteny ity mba hanondroana ny tenany ary hanamafisana ny fanoloran-tenany ho an'i Yaveh.
Betsaka ireo fandikan-teny no maneho izany ho "...ko, izaho, ahy" araka ny ataon'ny UDB.
Izany dia midika fa Yaveh no mihazona azy ho velona. DH: "Manavotra ahy tsy ho faty Izy"
Eto ny "fitahiana" dia faritana toy ny how "satrohana." DH: "mitahy anao Izy"
Ny andianteny "ny fiainanao" dia manondro "ianao," nefa izany manamafy fa Yaveh manome fitahiana mandritra ny fiainana. DH: "Mahafapo anao amin'ireo zava-tsoa Izy mandritra ny fiainanao"
Ny fananana ny "fahatanorana vaonao" dia midika fa mahatsiaro tanora indray. Eto Davida dia mampitaha izany fahatsapana hatanorana izany amin'ny hakingana sy tanjaky ny voromahery. DH: "hahatsiaro tanora sy matanjaka toy ny voromahery ianao"
Ny "fahatanorana" dia manondro ny tanjaka nanana tamin'ny mbola tanora lehibe.
"mampitranga ny rariny"
Izay manao ny fampahoriana dia azo ambara mazava tsara. DH: "izay rehetra nampahorian'olona"
"nampahafantariny an'ireo taranaka ny asany"
"feno famindrampo sy fitiavana"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. Ny faharoa manamafy ny fiheverana ao amin'ny voalohany.
Ireo andianteny roa ireo dia mifanindry lalana ary manamafy fa Andriamanitra tsy manafay antsika araka izay mendrika antsika. DH: "Tsy mamaly antsika amin'ny famaizana mendrika ny fahotantsika Izy"
"manafay antsika"
Ny fampitahana dia mampitaha ny elanelana be eo amin'ny lanitra sy tany amin'ny haben'ny fitiavan'Andriamanitra ho an'ny vahoakany.
Ny elanelana eo amin'ny andrefana sy atsinanana dia tena lavitra ka tsy hay refesina. Amin'ity fampitahana ity, izany elanelana izany dia ampitahaina amin'ny fomba hanesoran'Andriamanitra ny helotsika amintsika.
Eto ny mpanoratra dia mampitaha ny fiantran'ny ray amin'ny zanany amin'ny fiantran'i Yaveh ho an'ireo izay manome voninahitra Azy.
Rehefa namorona an'i Adama i Yaveh, dia ilay lehilahy voalohany noforoniny tamin'ny vovoka. DH: "tsaroany fa noforoniny tamin'ny vovoka isika"
Amin'ity fampitahana ity, ny halavan'ny fiainan'olona iray dia ampitahaina amin'ny hafohezan'ny fotoana hitomboan'ny ahitra mialohan'ny hafatesan'izany. DH: "Ny halavan'ny fiainan'olona dia fohy tahaka ny an'ny ahitra"
Amin'ity fampitahana ity, ny fomba hitomboan'ny olona dia ampitahaina amin'ny fomba hitomboan'ny voninkazo.
Ny "mamony" dia mitombo tsara na salama.
Ireo andianteny ireo dia manohy miresaka momba bny voninkazo sy ahitra. DH: "Ny rivotra mitsoka ny vonikazo sy ahitra ka dia manjavona ireny, ary tsy misy afaka hilaza izay nanirian'izany teo aloha—toy izany koa amin'ny olombelona"
Izany midika fa mitohy mandrakizay ny fitiavan'i Yaveh. DH: "hitohy mandrakizay"
"ny taranak'ireo izay manome voninahitra Azy"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy.
Eto ny fanjakan'i Yaveh ho mpanjaka dia tondroina ho ny "seza fiandrianany." DH: "Efa nandray ny fitoerany any an-danitra izay hanapahany Yaveh" (UDB)
"nanao"
Eto Yaveh dia tondroina ho amin'ny alalan'ny "fanjakany" mba hanamafisana ny fahefany ho mpanjaka. DH: "manjaka Izy"
Izany dia fomba fiteny izay midika fa "manao ny sitrapony." DH: "manao ny sitrapony"
"derao any amin'ny toerana rehetra anjakany Izy"
"amin'ny tenako rehetra" na "amin'ny fanahiko rehetra." Izany andianteny izany midika fa hidera an'i Yaveh amin'ny fony rehetra izy ary ampiasaina mba hanamafisana ny fanokanan-tenany ho Azy.
1 Hidera an'i Yaveh amin'ny fiainako rehetra aho, ry Yaveh Andriamanitro o, mahafinaritra loatra Ianao; mitafy famirapiratana sy voninahitra Ianao. 2 Mirakotra fahazavana ho fitafiana Ianao; velarinao tahaka ny lamban-day ny lanitra. 3 Napetrakao teo amin'ny rahona ireo andrin'ny efi-tranonao; nataonao ho kalesinao ny rahona; mandeha eo amin'ny elatry ny rivotra Ianao. 4 Nataony ho irany ny rivotra, ho mpanompony ny lelafo. 5 Nampitoetra ny fanambanin'ny tany Izy, ka tsy hihozongozona mihitsy izany. 6 Nanarona ny tany tamin'ny rano tahaka ny fitafiana Ianao; nanarona ny tendrombohitra ny rano. 7 Ny fiteninao mafy no nampihemotra ny rano; tamin'ny fanenon'ny fikotrokotroky ny feonao no nampandositra ireny. 8 Nitsangana ireo tendrombohitra, ary ireo lohasaha niely tany amin'ireo toerana izay efa notendrenao ho an'ireo. 9 Namaritra sisintany ho an'ireny Ianao mba tsy hihoarany; ka dia tsy hanarona ny tany intsony ireny. 10 Nampikoriana loharano teny amin'ireo lohasaha Izy; mikoriana anelanelan'ireo tendrombohitra ny rian-drano. 11 Mamatsy rano ho an'ny biby rehetra any an-tsaha ireny; dia afaka hetaheta ireo apondradia. 12 Manamboatra ny akaniny eo amoron'ny renirano ireo vorona. Mihira eny amin'ny rantsan-kazo izy ireo. 13 Manondraka ireo tendrombohitra avy amin'ny fitoeran-dranony any an-danitra Izy. Feno vokatry ny asany ny tany. 14 Mampaniry ahitra ho an'ireo biby fiompy sy voly ho an'ny olona ho volena Izy mba hahafahan'ny olona mamokatra sakafo amin'ny tany. 15 Manao divay hampifaliana ny olona Izy, diloilo mba hampamiratra ny tavany, ary hanina mba hanohanana ny ainy. 16 Ireo hazon'i Yaveh dia voatondraka orana be; dia ireo sederan'i Libanona izay namboleny. 17 Eo no anorenan'ireo vorona ny akaniny. Ny voronkely manao ny hazo kypreso ho fonenany. 18 Ny osidia monina any amin'ireo tendrombohitra avo; ary ny haavon'ny tendrombohitra no fialofan'ireo hyraka. 19 Nanendry ny volana ho mariky ny fotoana Izy; fantatry ny masoandro ny fotoana hilentehany. 20 Nataonao ny aizin'ny alina rehefa mivoaka ny biby rehetra any an'ala. 21 Mierona ho an'ny hazany ireo liona tanora ary mitady ny haniny avy amin'Andriamanitra. 22 Rehefa miposaka ny masoandro, dia misintaka ireny ka matory any an-davany. 23 Mandritra izany fotoana izany, ny vahoaka mivoaka ho amin'ny asany sy misasatra mandra-pahariva. 24 Yaveh o, endrey ny hamaroana sy karazan'ireo asanao! Nataonao tamim-pahendrena izy rehetra; henika ireo asanao ny tany. 25 Indro ny ranomasina, lalina sady midadasika, mihetsiketsika miaraka amin'ireo zava-boahary tsy voatanisa, na kely na lehibe. 26 Mandeha eo ireo sambo, ary ao ihany koa ny Leviatana, izay nataona hilalao an-dranomasina. 27 Ireo rehetra ireo dia mijery Anao mba hanome ny sakafony ara-potoana. 28 Rehefa manome ireo Ianao, dia miangona izy ireo; rehefa manokatra ny tananao Ianao, dia afa-po izy ireo. 29 Rehefa manafina ny tavanao Ianao, dia matahotra ireo; rehefa manala ny fofonain'ireo Ianao; dia maty ireo ka hody vovoka. 30 Rehefa mandefa ny Fanahinao Ianao, dia ary ireo, ka hanavao ny tany indray Ianao. 31 Haharitra mandrakizay anie ny voninahitr'i Yaveh, hisitraka ny voahariny anie Yaveh. 32 Miondrika mijery ny tany Izy, dia mihorohoro izany; mikasika ireo tendrombohitra Izy; dia manetroka izany. 33 Hihira ho an'i Yaveh amin'ny fiainako rehetra aho; hihira fiderana an'Andriamanitro aho raha mbola velonan'aina koa. 34 Ho mamy aminy anie ny fisainako; hifaly amin'i Yaveh aho. 35 Hanjavona eto an-tany anie ireo mpanota, ary aoka ho foana ny ratsy fanahy. Hidera an'i Yaveh amin'ny fiainako rehetra aho. Miderà an'i Yaveh.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ity salamo ity dia hira fiderana.
"amin'ny tenako rehetra" na "amin'ny fanahiko rehetra." Izany andianteny izany midika fa hidera an'i Yaveh amin'ny fony rehetra ziy ary ampiasaina mba hanamafisana ny fanokanan-tenany ho Azy.
Ny teny "famirapiratana" sy "voninahitra" dia manana hevitra mitovy ary manamafy ny fahalehibiazan'ny voninahitr'i Yaveh. Faritana ho toy ny fitafian'i Yaveh tahaka ny lamba ireo. DH: "famirapiratana sy voninahitra no manodidina Anao rehetra"
Yaveh dia faritana ho voarakotra hazavana toy ny hoe fiatfiana manodidina Azy ny hazavana. DH: "Voarakotra fahazavana Ianao"
Eto Andriamanitra dia faritana ho mamelatra ny lanitra tahaka ny olona iray mamelatra lay rehefa manorina izany. DH: "velarinao tahaka ny olona manorina lay ny lanitra"
"Manorina ny efitranonao ambony any an-danitra Ianaoo." Izany dia manondro ny tranony izay avo dia avo ka mahatratra hatrany amin'ny rahona ny rihana ambony.
Eto ny rahona dia faritana ho mitondra an'i Yaveh toy ny hoe kalesy. DH: "ampitondranao ny tenanao tahaka ny kalesy ny rahona"
Eto ny tso-drivotra dia faritana ho elatra izay andehanan'i Yaveh. DH: "mandeha ambony rivotra Ianao"
Ireo mety ho heviny dia 1) mahatonga ny rivora ho afaka mitondra hafatra tahaka ny iraka Izy: "Ataony tahaka ny irany ny rivotra" na 2) "Afainganiny tahaka ny rivotra ny irany"
Ireo mety ho heviny dia 1) "mahatonga ny lelafo ho tahaka ny mpanompony Izy." Manao ny afo hanompo Azy tahaka ny mpanompo Izy na 2) "Ataony ho toy ny lelafo ny mpanompony."
"ataony ho mpanompony ny lelafo"
Eto ny andianteny "Nampitoetra ny fanambany" dia midika "nanao." DH: "Namorona ny tany manontolo Izy"
Eto ny rano izay mandrakotra ny tany dia ampitahaina amin'ny fomba handrakofan'ny lamba be tanteraka ny zavatra iray. DH: "Nosaronanao rano tanteraka ny tany"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary miaraka ampiasaina mba hanamafisana ny fomba nandefasan'Andriamanitra ny rano hiala.
"misintaka" na "miverina"
Eto ny mpanao salamo dia miteny momba ny rano mihemotra toy ny hoe nitsoaka toy ny biby taorian'ny nadrenesany ny feon'i Yaveh. Ny teny "nampandositra" midika miazakazaka mafy. DH: "nitsoaka" (UDB)
Eto ny mpanao salamo miteny an'Andriamanitra mahatonga ireo tendrombohitra sy lohasaha hikisaka sy hiova toy ny hoe izy ireo mihitsy no nifidy ny hihetsika. Faritana ho toy izany ireo mba hanamafisana ny herin'Andriamanitra.
Eto ny mpanao salamo miteny an'Andriamanitra mahatonga ny rano tsy hihoatra ny sisintany izay nataony ho an'izany toy ny hoe ny rano mihitsy no nifidy ny tsy hihoatra izany.
"faritra" na "sisiny"
Ny teny "ireny" dia manondro an'ireo rano.
ony kely
Azo ambara mazava ny hoe ny ampondradia mangetaheta rano. DH: "misotro rano ny ampondradia hanafahana ny hetahetany"
Ny tany amin'ny sisin'ny renirano
Eto Davida dia mamaritra ireo vorona misiotsioka toy ny hoe mihira. DH: "misiotsioka eny amin'ny rantsan-kazo izy ireo"
Izany dia midika fa Andriamanitra mahatonga orana. Ireo rano dia faritana ho mitoetra anaty fitoerana any an-danitra. DH: "Manondraka ireo tendrombohitra amin'ny filatsahan'ny orana avy any an-danitra Izy"
"ireo zava-tsoa maro izay nataonao" (UDB)
"ary mahatonga ny voly hitombo ho an'ny olona ho volena"
ao amin'ny sedera no anorenan'izy ireo ny akaniny. Azo ambara mazava tsara izany. DH: "ao amin'ny sedera no anorenan'ireo vorona ny akaniny"
Io dia karazam-borona. DH: "vorona"
Ny hyraka dia biby madinika izay tahaka ny biby be mikory.
Ity teny ity dia manondro karazanna toetrandro miovaova mandritra ny taona. Misy amin'ireo toerana misy vanim-potoana manorana sy vanim-potoana maina, raha misy lohataona, sy fahavaratra, sy fararano, ary ririnina.
Eto Davida dia mamaritra ny masoandro toy ny hoe mahalala ny lera amin'ny atoandro. DH: "Ampilentehany ny masoandro rehefa fotoany izany"
"Yaveh o, Ianao manao." Eto ny mpanoratra dia mamadika ny firesahana momba an'i Yaveh amin'ny firesahana aminy mivantana.
Izany dia biby izay biby hafa ihany no sakafony.
"nefa miantehitra amin'Andriamanitra hamatsy ny sakafony"
"miverina" na "miala"
Ny fonenan'ny biby mampinono sy biby madinika sasany
Eto Davida dia mamaritra ny habetsahan'ireo zavatra izay namboarin'i Yaveh toy ny hoe rano manenika ny fitoerana iray. DH: "fenon'ny asanao!"
"dia lalina dia lalina ary midadasika tokoa." Ny halalina sy velaran'ny ranomasina dia manamafy ny fidadasik'izany.
"manenika"
"tsy hay isaina"
Izany dia midika ireo voahary amin'ny habeny isan-karazany.
"Mamakivaky ny ranomasina ireo sambo"
"Ireo zava-boahary rehetra ireo"
"hanome azy ireo ny sakafony rehefa mila izy ireo"
Mety hanampy kokoa ny manambara fa sakafo no omena. DH: "Rehefa manome sakafo Ianao, dia miangona izy ireo
"maka"
Izany dia mamaritra an'i Yaveh ho manokatra ny tanany mba hanome sakafo ho an'ny zava-boahary. DH: "rehefa manokatra ny tananao hamahana azy ireo Ianao"
Izany dia midika fa tsy mijery azy ireo na mihaino azy ireo Yaveh. DH: "rehefa tsy mijery azy ireo Ianao" na "rehefa mandingana azy ireo Ianao"
Izany dia midika fa simba ny vatan'izy ireo ary tonga ho tany indray. DH: "ho simba ny vatan'izy ireo ka hody amin'ny tany"
Izany dia manondro ny Fanahiny izay nirahina hanome fiainana ho an'ireo zava-boahary.
Ny fanahin'i Yaveh no nahary azy ireo.
"hahatonga ny tany ho feno fiainam-baovao Ianao"
Izy dia mampitaha ny fisainany amin'ny zavatra izay misy tsiro mamy. DH: "hahafinaritra anie ny fisainako"
"tsy ho hita"
Ny andianteny "ny ratsy fanahy" dia manondro an'ireo olona ratsy fanahy. DH: "Hanjavona anie ny olona ratsy fanahy"
1 Misaora an'i Yaveh, antsoy ny anarany; ampahafantaro amin'ireo firenena ireo asany. 2 Mihirà ho Azy, mihiràfiderana ho Azy; ambarao avokoa ireo asany rehetra mahatalanjona. 3 Mireharehava amin'ny anarany masina; aoka ny fon'ireo izay mitady an'i Yaveh hifaly. 4 Mitadiava an'i Yaveh sy ny heriny; tadiavo hatrany hatrany ny fanatrehany. 5 Tadidio ireo zava-mahagaga efa nataony, ireo fahagagany sy ireo lalàny avy ao am-bavany, 6 ianareo taranak'i Abrahama mpanompony, ianareo vahoakan'i Jakoba, olom-boafidiny. 7 Izy no Yaveh, Andriamanintsika. Eo amin'ny tany rehetra ireo didiny. 8 Ataony an-tsaina mandrakizay ny fanekeny, dia ny teny izay nodidiany ho an'ireo taranaka an'arivony. 9 Mahatsiaro ny fanekena izay nataony tamin'i Abrahama sy ny fianianany tamin'i Isaka Izy. 10 Izany no namafisiny tamin'i Jakoba ho lalàna sy tamin'ny Israely ho fanekena maharitra mandrakizay. 11 Hoy Izy: "Homeko anjara lovanareo ny tany Kanana." 12 Nilaza izany Izy fony mbola vitsy an'isa izy ireo, tena vitsy, sady mpivahiny tao amin'ny tany. 13 Nivezivezy tamin'ireo firenena sy avy any amin'ny fanjakana ho any amin'iray hafa izy ireo. 14 Tsy namela na iza na iza hampahory azy ireo Izy; nandatsa mpanjaka maro Izy noho ny amin'izy ireo. 15 Hoy Izy hoe: "Aza mikasika ireo olom-boahosotro, ary manisy ratsy ireo mpaminaniko." 16 Niantso mosary ho amin'ny tanyIzy; nanapaka ny famatsiana mofo manontolo Izy. 17 Naniraka olona hialoha lalana azy ireo Izy; namidy ho mpanompo i Josefa. 18 Nafatony tamin'ny tady vy ny tongony; teo amin'ny tendany nasiany rojo vy, 19 ambara-pahatanteraka ny teniny, ary nitsapa azy ny tenin'i Yaveh. 20 Naniraka ireo mpanompo hamotsotra azy Yaveh; nanafaka azy ny mpanapaka ny vahoaka. 21 Nataony nisahana ny tranony ho mpanapaka ireo fananany rehetra izy 22 mba hampianatra ireo andriany araka izay iriany sy hampianatra fahendrena ireo loholony. 23 Dia nankany Egypta ny Israely, ary Jakoba nivahiny tao amin'ny tany Hama. 24 Nampamokatra ny vahoakany Yaveh, ary nampatanjaka azy ireo mihoatra ireo fahavalony. 25 Nataony nankahala ny vahoakany ny fahavalon'izy ireo, mba hampijaly ireo mpanompony. 26 Naniraka an'i Mosesy, mpanompony, sy Arona, izay efa nofidiany Izy. 27 Nanatanteraka ireo famantarany teo amin'ireo Egyptiana izy ireo, ireo fahagagany tao amin'ny tany Hama. 28 Nandefa aizina sy nampamaizina ny tany Izy, nefa tsy nankato ireo didiny ny vahoaka tao. 29 Namadika ny ranon'izy ireo ho rà Izy ary namono ny hazan-dranony. 30 Rakotra sahona ny tanin'izy ireo, na dia ny tao an'efitranon'ireo mpanapaka aza. 31 Niteny Izy, ka dia tonga nanerana ny tanànan'izy ireo ny renin-dalitra sy moka. 32 Navadiny ho havandra ny oran'izy ireo, niaraka tamin'ny afo nidedadeda teo amin'ny taniny. 33 Nopotehiny ny voaloboka sy ny hazon'aviavin'izy ireo; nosimbainy ireo hazo tao an-tanànan'izy ireo. 34 Niteny Izy, dia tonga ny valala, valala maro be. 35 Lanin'ireo valala ny zava-maniry rehetra tao amin'ny tanin'izy ireo; lanin'ireny ny vokatry ny tany rehetra. 36 Novonoiny ny lahimatoa rehetra tao amin'ny tany, ny voaloham-bokatry ny herin'izy ireo rehetra. 37 Nentiny nivoaka niaraka tamin'ny volamena sy volafotsy ireo Israelita; tsy nisy tamin'ireo fokony tafitohina teny an-dalana. 38 Ravoravo Egypta raha lasa izy ireo, satria natahotra azy ireo ny Egyptiana. 39 Nampiely ny rahona ho fandrakofana Izy ary nanao afo hampazava ny alina. 40 Nangataka sakafo ny Israelita, ka dia nitondrany papelika ary natony hafa-po tamin'ny mofo avy any an-danitra. 41 Namaky ny vatolampy Izy, ka nigororoana teo ny rano; nikoriana tany an'efitra tahaka ny renirano ireny. 42 Fa nahatsiaro ny fampanantenany masina izay nataony tamin'i Abrahama mpanompony Izy. 43 Notarihiny nivoaka tamim-pifaliana ny vahoaka; tamin'ny hiakam-pandresena ny olom-boafidiny. 44 Nomeny azy ireo ny tanin'ireo firenena; naka fananana tamin'ireo haren'ny vahoaka izy ireo 45 mba hitandremany ny didny sy hankatoavany ny lalàny. Miderà an'i Yaveh.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Eto ny "anarana" dia maneho an'i Yaveh. DH: "antsoy Izy ... Mireharehava amin'i Yaveh
Izany dia manondro an'ireo olona any amin'ireo firenena. DH: "ireo olona any amin'ireo firenena"
Eto "ny fo" dia maneho an'ilay olona izay mitady an'i Yaveh. DH: "aoka ny olona izay mitady an'i Yaveh hifaly"
Ny "mitady ny herin'i Yaveh" dia midika mangataka Azy hampatanjaka anao.
"Tsarovy"
Mety hanampy kokoa ny manisy ireo teny tsy ampy. DH: "tsarovy ireo fahagagany sy"
Eto ny "vava" dia manondro an'ireo zavatra izay nolazainy. DH: "lalàna izay efa nolazainy"
Ny mpanoratra miteny amin'ny Israelita, miantso azy ireo amin'ireo anarana ireo.
"Abrahama, mpanompon'i Yaveh"
Ireo andianteny roa ireo dia mifampizara hevitra mitovy ary ampiasaina miaraka mba ho fanamafisana. Ny teny "teny" dia manondro ny fanekena. DH: "Ataony an-tsaina mandrakizay ny fanekeny, dia ilay fampanantenana nataony"
Izany dia midika hoe mahatsiaro sy mihevitra momba ny zavatra iray. DH: "mahatsiaro"
"taranaka 1.000"
Ireo andianteny roa "ny fanekena" sy "ny fianianana" ireo dia manondro fampanantenana mitovy izay nataon'i Yaveh ho an'ny vahoakany.
Mety hanampy kokoa ny manisy ireo teny tsy ampy. DH: "ny fianianany izay nomeny an'Isaka"
Ny mpanao salamo manoratra momba an'Israely
Ny teny "izy ireo" dia manondro ny Israelita.
Izany midika fa "ny tany" dia manondro an'i Kanana. DH: "sady vahiny tao amin'ny tany Kanana"
"Nitohy nirenireny izy ireo"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary ampiasaina miaraka mba ho fanamafisana.
Ny mpanao salamo manoratra momba an'Israely.
"ho an'ny tenan'izy ireo." Izany dia manondro an'Israely.
Eto nyb "mikasika" dia midika manisy ratsy, izay fanitarana nampiasain'i Yaveh hanamafisana ny fampitandremany tsy hanaovan-dratsy amin'ny vahoakany. DH: "Aza manisy ratsy amin'ny vahoaka efa voahosotro"
"Naniraka Izy." Izany dia midika nahatonga ny mosary hitranga ao amin'ny tany.
Eto ny "mofo" dia manondro sakafo ankapobeny. DH: "ny famatsiana hanina manontolo"
Mety hanampy ny manambara fa naniraka azy hialoha lalana azy ireo any Egypta Izy. DH: "Naniraka lehilahy Izy hialoha lalany azy ireo any Egypta; naniraka an'i Josefa izay... Izy"
vy mifampitohitohy ampiasaina hamehezana ny tanana sy tongotry ny gadra.
Eto ny "teny" dia manondro ny hafatr'i Yaveh. DH: "nitsapa azy ny hafatr'i Yaveh"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy amin'ny ankapobeny ary ampiasaina miaraka mba hanamafisana fa nanafaka azy ny mpanjaka.
Eto ny "Israely" dia manondro an'i Jakoba. Jakoba koa dia nitondra ny ankohonany niaraka taminy. DH: "Dia tonga tao Egypta ny Israely sy ny ankohonany"
Ny mpanoratra miteny ny fitomboan'Israely toy ny hoe zava-maniry izay mamokatra voa marobe izy ireo. "Nampitombo be ny isan'ny vahoakany Andriamanitra"
"nankahala ny vahoakany sy nampijaly ireo mpanompony"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary ampiasaina miaraka mba ho fanamafisana. DH: "Nanatanteraka ireo fahagagan'Andriamanitra tany Egypta tamin'ireo taranak'i Hama i Mosesy sy Arona"
"ary nanatanteraka ireo fahagagany izy ireo"
"nampamaizina ny habakabaka"
biby madinika mitsambikimbikina
"eny, hatrany anaty efitranon'ny mpanapak'izy ireo izany"
Ny mpanao salamo manohy mamaritra ny fitsaran'i Yaveh an'i Egypta.
bibikely manidina mitambatra marobe
bibikely manidina tahaka ny lalitra fa kely kokoa
lagilasy izay milatsaka avy any an-danitra tahaka ny orana
Andriamanitra mahatonga havandra, sy orana, ary tselatra mba handravana ireo voaloboka sy hazo. DH: "Nahatonga izany hamotika Izy ... ary hanimba"
"nisy valala maro be"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy amin'ny ankapobeny ary ampiasaina miaraka mba ho fanamafisana. DH: "Lanin'ny bibikely ny zava-maniry rehetra sy ny voly rehetra tao amin'ny tany"
Eto ny andianteny faharoa dia momba ny "voaloham-bokatra" izay ampiasaina hamaritana ny "voalohan-teraka" ao amin'ny andianteny voalohany. DH: "Novonoiny avokoa ny voalohan-teraka rehetra tao amin'ny tanin'izy ireo, izay ny voaloham-bokatry ny herin'izy ireo rehetra" na "Dia novonoin'i Yaveh ny zanaka lahimatoa ao amin'ny isan-tranon'ny vahoakan'i Egypta" (UDB)
Rehefa nandao an'i Egypta ny Israelita dia naka volafotsy sy volamena ho azy izy ireo. DH: "Nitondra ny Israelita nivoaka an'i Egypta niaraka tamin'ny volafotsy sy volamena ho fananany Izy"
Tsy nisy tavela. DH: "afaka nanao dia lavitra avokoa ny fokony rehetra"
Eto ny "Egypta" dia manondro an''ireo vahoaka izay monina any Egypta. DH: "Ravoravo ny vahoakan'i Egypta"
Eto ny mpanao salamo dia mamaritra an'i Yaveh mametraka rahona eny amin'ny habakabaka toy ny hoe Izy namelatra lamba. Ny rahona dia "firakotra" niaro azy ireo tamin'ny masoandro. DH: "Nametraka rahona teny amin'ny habakabaka Izy mba hiarovana azy ireo amin'ny masoandro sy ny hafanana"
Yaveh nametraka andry afo teny amin'ny habakabaka mba hanomezana hazavana nandritra ny alina. DH: "nametraka afo teny amin'ny habakabaka mba hanazava ny alina"
Mety hanampy kokoa ny manazava fa voro-madinika izay nalefan'i Yaveh hohanin'izy ireo ny papelika. DH: "ary Yaveh naniraka voronkely hohanina"
Yaveh nahatonga mana, karazana mofo, nilatsaka avy any an-danitra. DH: "tamin'ny mofo izay nilatsaka avy any an-danitra"
"ny rano nikoriana"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy amin'ny ankapobeny ary ampiasaina miaraka mba hanamafisana fa faly ny vahoakan'Andriamanitra raha notarihiny nivoaka an'i Egypta. Nihiaka am-pifaliana ny vahoaka. DH: "Notarihany nivoaka tamin'ny hiakam-pifaliana sy fandresena ny vahoaka voafidiny"
Eto ny "voafidy" dia manondro ny vahoaka voafidin'i Yaveh. DH: "ny vahoaka voafidiny"
"fankalazana" na "fifaliana"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary ampiasaina miaraka mba ho fanamafisana. "Mitandrina" ny didiny midika mankatoa Azy. DH: "mankatoa ny didy aman-dalàny"
1 Misaora an'i Yaveh, fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 2 Iza no afaka hanisa ireo asa lehibe izay nataon'i Yaveh na hanonona feno ireo asa mendri-piderany? 3 Hotahiana anie ireo izay manao ny marina, sy ireo izay manao asa marina mandrakariva. 4 Tsarovy aho, ry Yaveh, rehefa mampiseho sitraka amin'ny olonao Ianao; ampio aho rehefa mamonjy azy ireo Ianao. 5 Ary dia hahita ny fanambinan'ireo voafidinao aho, hiravoravo amin'ny fifalian'ny firenenao sy hanome voninahitra amin'ny lovanao. 6 Nanota tahaka ireo razambenay izahay, nanao ny tsy nety izahay, ary nahavita ratsy. 7 Tsy nankatoavin'ireo razanay ireo asa tsaranao tany Egypta; tsy niraharaha ny habetsaky ny famindram-ponao izy ireo; ka nikomy teny amin'ny ranomasina, teny amin'ny Ranomasina Mena. 8 Na dia izany aza, novonjeny izy ireo nohon'ny anarany mba hahafahany mampiseho ny heriny. 9 Noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, dia ritra izany. Dia nitarika azy ireo nita ireo lalina Izy, tahaka ny nita efitra. 10 Namonjy azy ireo tamin'ny tanan'ireo izay nankahala azy ireo Izy, ary nanavotra azy ireo tamin'ny tanan'ny fahavalo. 11 Fa nosaronan'ny rano ireo fahavalon'izy ireo; tsy nisy na dia iray amin'izy ireo aza ka avotra. 12 Ary nino ny teniny izy ireo, ka nihira fiderana Azy. 13 Nefa nalaky nanadino izay nataony izy ireo; tsy niandry ireo torolalany. 14 Fatra-pila tany an'efitra ka nitady hihoatra an'Andriamanitra tany an'efitra. 15 Dia nomeny ny fangatahany, saingy nandefa aretina handany ny vatan'izy ireo Izy. 16 Tany an-toby dia nialona an'i Mosesy sy Arona, mpisorona masin'i Yaveh, izy ireo. 17 Nisokatra ny tany ka nitelina an'i Datana ary nanarona ireo mpanaraka an'i Abirama. Nirehitra teo amin'izy ireo ny afo; 18 ka nandevona ny ratsy fanahy ny afo. 19 Dia nanao zanak'ombilahy tao Horeba izy ireo ka nanompo ny sarin-javatra vy. 20 Natakalon'izy ireo sarin'ombilahy voasokitra izay mihinana ahimaitso ny voninahitr'Andriamanitra. 21 Nanadino an'Andriamanitra Mpamonjy azy izy ireo, izay nanao asa lehibe tany Egypta. 22 Nanao zava-tsoa mahafinaritra tao an-tanin'i Hama sy zava-mahery tao amin'ny ranomasina Mena Izy. 23 Ary nandidy ny fandringanana azy ireo Izy, raha tsy i Mosesy, izay voafidiny, no niditra an-tsehatra teo amin'ny fanapahana mba hampiova ny fahatezerany amin'ny fandringanana azy ireo. 24 Dia nataon'izy ireo tsinotsinona ny tany mahavokatra; tsy nino ny fampanantenany izy ireo; 25 fa nimonomonona tao an-dainy izy ireo, ary tsy nankatò an'i Yaveh. 26 Noho izany dia nanangana ny tanany izy ary nianiana tamin'izy ireo fa hamela azy ireo ho faty any an'efitra, 27 hampiely ny taranak'izy ireo erak'ireo firenena ary hampiely azy ireo any amin'ny tany hafa. 28 Nanompo an'i Bala Peora izy ireo ary nihinana ireo sorona natolotra ho an'ny maty. 29 Nihantsy Azy ho tezitra tamin'ny fihetsiny izy ireo, ka dia namely azy ireo ny areti-mandringana. 30 Dia nitsangana i Fineasa ka nrotsaka an-tsehatra, ary nitsahatra ny areti-mandringana. 31 Anisan'ny asa marina ho azy mandrakizay izany hatrany amin'ny taranaka fara mandimby. 32 Nampatezitra an'i Yaveh ihany koa izy ireo teny amin'ny ranon'i Meriba, ka nijaly i Mosesy noho izy ireo. 33 Nampahory an'i Mosesy izy ireo, ka dia niteny mafy izy. 34 Tsy nandringana ireo firenena araka ny nandidian'i Yaveh izy ireo, 35 nefa izy ireo niharo tamin'ireo firenena sy nianatra ny fanaony 36 ka nanompo ireo sampiny, izay tonga fandrika ho azy. 37 Nanao sorona ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy ho an'ireo demonia izy ireo. 38 Nandatsaka ny rà tsy manan-tsiny izy ireo, ny ràn'ireo zanany lahy sy ny an'ireo zanany vavy izay nataon'izy ireo sorona ho an'ireo sampin'i Kanana; ka nanimbazimba ny tany tamin'ny rà. 39 Voaloto tamin'ireo asany; tahaka ireo mpijangajanga izy ireo noho ny nataony. 40 Ka dia tezitra tamin'ny olony i Yaveh, ary nataony tsinontsinona ny vahoakany. 41 Nomeny ho eny an-tanan'ireo firenena izy ireo, ary ireo nankahala azy ireo no nanapaka teo aminy. 42 Nampahory azy ireo ny fahavalony, ary nentina hanaiky ny fahefany izy ireo. 43 Matetika tonga nanampy azy ireo Izy, fa izy ireo kosa nikomy hatrany ary naletiky ny fahotany ihany. 44 Na izany aza dia nijery ny fahorian'izy ireo Izy rehefa nandre azy ireo nitomany hovonjena. 45 Nampatsiaro ny fanekeny tamin'izy ireo Izy ka nanenina nohon'ny fitiavany tsy miova. 46 Dia nataony niantra azy ireo ny mpambabo rehetra. 47 Vonjeo izahay, ry Yaveh, Andriamanitray. Ary angony avy amin'ireo firenena, mba hisaoranay ny Anaranao Masina sy hanomezanay voninahitra amin'ny fiderana Anao. 48 Ho deraina anie Yaveh, Andriamanitr'Israely, rahatrizay ka ho mandrakizay. Ary niteny ny olona rehetra hoe: "Amena". miderà an'i Yaveh. Boky fahadimy
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ny mpanoratra mametraka fanontaniana mba hiderana an'Andriamanitra ary tsy manantena valiny akory. DH: "Tsy misy mahatantara ireo asa maherin'i Yaveh ... ireo asany mendri-piderana."
"asa izay mendri-piderana"
Ny teny "voafidy" dia manondro ny vahoaka voafidin'i Yaveh. DH: "ny vahoaka voafidinao"
Ireo dia zavatra izay lazain'i Davida fa ho ataony, miaraka amin'ny "mahita ny fanambinan'ireo voafidinao." Azo ampiana ny teny tsy ampy. DH: "hiravoravo amin'ny fifaliana aho ... sy hanome voninahitra"
"faly" na "finaritra"
Eto ny andianteny "ny lovanao" dia manondro ny Israelita, izay vahoaka voafidin'i Yaveh. Eto ny "voninahitra" midika "mirehareha amin'ny" zavatra iray: amin'ity toe-javatra ity izy ireo dia mirehareha ny amin'i Yaveh. DH: "hirehareha amin'ny fahalehibiazanao amin'ny vahoakanao"
"Tsy nankasitraka ny asa mahagaga nataonao"
Ireo andianteny roa ireo dia manondro ranomasina mitovy. Ny faharoa dia anaran'ilay ranomasina.
"Kanefa"
Eto "ny anarany" dia manondro an'i Yaveh. DH: "noho ny amin'ny lazany manokana"
Eto Davida dia mampitaha ny fomba nitarihan'i Yaveh ny Israelita namakivaky ny ranomasina Mena amin'ny fomba nitarihana ny vahoaka nita ny tany mainan'ny efitra. "Ny lalina" dia manondro ny fandrian-drano izay niseho taorian'ny nizaràn'i Yaveh ny rano. DH: "namakivaky ny ranomasina Mena ambony tany maina"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary ampiasaina miaraka mba hanamafisana fa Yaveh no nanavotra azy ireo tamin'ireo fahavalony.
Eto ny "tanana" dia manondro fahefana na fifehezana. DH: "ny fahefan'ireo izay nankahala azy ireo" na "ny fifehezan'ireo izay nankahala azy ireo"
Izany dia fomba mihaja hiresahana momba azy ireo safotry ny rano. DH: "nanafotra ireo fahavalony"
Eto ny teny "izy ireo" dia manondro an'ireo "razambeny" ary ny teny "...ny" dia manondro an'i Yaveh.
Izany dia midika faizy ireo nanao zavatra tsy nisy fiandrasana izay tian'i Yaveh halehan'izy ireo. DH: "nanao zavatra tsy niandrasana ny torolalan'i Yaveh izy ireo"
"filàna izay tsy mety mahafapo"
"nikomy tamin'Andriamanitra"
"hahatratra" na "hak"
Eto Davida miteny momba an'i Yaveh nahatonga ny olona ho ory noho ny aretina toy ny hoe Yaveh nandefa aretina ho any amin'izy ireo amin'ny fomba mitovy amin'ny olona iray maniraka olona na iraka iray. DH: "saingy nanao ny aretina handevona ny nofon'izy ireo Izy"
Izany dia manondro ny tobin'ny Israelita tany an'efitra. DH: "Tany an-toby tany an'efitra"
Eto ny fomba nanokafan'ny tany sy nandevenany ny olona dia ampitahaina amin'ny fomba hiteleman'ny zava-boahary zavatra iray. DH: "Nisokatra ny tany ka nandevina"
Io dia manampahefana nikomy tamin'i Mosesy.
Nalevina ihany koa ireo mpanara-dia an'i Abirama rehefa nisokatra ny tany ka nandevina an'i Datana. DH: "dia nanarona an'ireo mpanara-dia an'i Abirama ihany koa izany" na "ary nandevina an'ireo mpanara-dia an'i Abirama ihany koa izany"
Io dia manampahefana nikomy tamin'i Mosesy.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary samy voasoratra mba ho fanamafisana ny fomba nahafaty an'ireo olona ratsy fanahy tamin'ny alalan'ny afo"
Ity andinindininy ity dia azo averina alahatra mba hazava tsara fa ilay zanak'ombilahy ihany no sarin-javatra vy. DH: "nanao sarin'janak'ombilahy tao Horeba izy ireo ka nanompo izany"
Izany dia midika fa raha tokony ho manompo an'Andriamanitra izy ireo dia naleny nanompo an'ilay sarin'ombilahy. DH: "Natakalon'izy ireo fanompoana sarin'ombilahy ny fanompoana ny voninahitr'Andriamanitra"
Eto Andriamanitra dia tondroina amin'ny voninahiny. DH: "ny Andriamanitr'izy ireo be voninahitra" na "Andriamanitra izay be voninahitra"
Izany dia manondro ny tany izay nonenan'ireo taranak'i Hama. DH: "ny tany izay onen'ireo taranak'i Hama"
"zava-mahatahotra"
Eto Davida miteny momba an'i Mosesy mandresy lahatra an'i Yaveh tsy hamotika ny Israelita ho miditra an-tsehatra miaraka aminy eo amin'ny fanapahana. DH: "nipetraka teo anelanelan'i Yaveh sy ny Israelita ka nitalaho tamin'i Yaveh ny tsy hamotehana azy ireo"
Izany dia manondro ny fampanantenan'i Yaveh fa hamela azy ireo haka ny tany Kanana ho fananany.
"nitaraina"
Ny teny "...ny" dia manondro an'i Yaveh. Ary koa, fomba ny nanangan-tanana rehefa nianiana.
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy amin'ny ankapobeny ary ampiasaina miaraka mba ho fanamafisana. DH: "ary hanao ny taranak'izy ireo honina any amin'ny tany hafa Izy"
Izany dia midika hoe mampiparitaka na mampizarazara zavatra.
"Ny maty" dia manondro an'ireo sampy sy andriamanitra izay notompoin'ireo Israelita. DH: "ho an'andriamanitra maty" na "ho an'andriamanitra tsy manam-pofonaina"
"nifafy ny areti-mandringana"
"Nahatezitra Azy"
Nirotsaka an-tsehatra tamin'ny vahoaka i Fineasa, manafay azy ireo noho ny fahotany. Azo atao mazava tsara izany. DH: "Dia nitsangana i Fineasa mba hirotsaka an-tsehatra amin'ny vahoaka noho ny fahotan'izy ireo"
Toerana io.
Nijaly Mosesy noho ny fahotan'ny vahoaka. Eto ny teny "izy ireo" dia mpisolotena ho an'ny vahoaka ary sarinteny manondro ny fahotan'izy ireo. DH: "nijaly noho ny fihetsik'izy ireo"
Eto Davida dia miteny ny vahoaka mifampanambady amin'ny vehivavy avy amin'ny firenen-kafa ho "miharoharo" amin'izy ireo. DH: "nefa mifangaro anaty fampakarana amin'ireo firenen-kafa izy ireo"
tonga fandrika ho azy ireo ny sampy.
Ny andianteny "Nandatsaka rà" dia fanalefahan-teny manazava ho an'ny "famonoana." DH: "Nandatsaka rà tsy manan-tsiny izy ireo raha namono ny zanaka lahy sy ny zanaka vavin'izy ireo"
Eto Davida dia mampitaha ny tsy fahatokian'izy ireo an'i Yaveh amin'ny tsy fahatokian'ny vehivavy janga iray. DH: "tsy mendrika tamin'i Yaveh tahaka ny vehivavy janga izy ireo"
"Ka dia tezitra tamin'ny olony i Yaveh ka tsy niraharaha azy ireo"
Eto ny "tanana" dia manondro fahefana na fifehezana. DH: "Navelan'Andriamanitra hifehy azy ireo ny firenena"
"olona izay nakahala azy ireo"
Eto ny andianteny "nalentika" dia midika hoe voaringana. DH: "nandringana azy ireo ny fahotany"
"Kanefa." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 106:8.
"ny alahelon'izy ireo" na "ny fijalian'izy ireo"
"ka nanana fangoraham-po tamin'izy ireo"
"ho mpiantra azy ireo"
Izany dia manondro an'ireo fahavalon'ny Israelita izay nambabo azy ireo.
Eto ny 106:48 dia mihoatra ny fiafaran'ity salamo ity. Ity no fanambarana fanakatonanaa ho an'ny Boky 4 amin'ny Salamo, izay manomboka amin'ny Salamo 90 ka mifarana amin'ny Salamo 106.
Eto Yaveh dia tondroina amin'ny "Anaranao masina." DH: "Ianao"
Izany dia manondro an'ireo sisiny indrindra roa ka midika hoe amin'ny fotoana rehetra. Jereo ny nandikanao izna ao amin'ny 41:13.
1 Misaora an'i Yaveh, fa tsara Izy, ary mandrakizay ny famindram-pony. 2 Aoka ireo navotan'i Yaveh hilaza izany, dia izay navotany teo an-tanan'ny fahavalo. 3 Nangoniny avy amin'ny tany hafa maro izy ireo, dia izay avy any atsinanana sy avy any andrefana, avy any avaratra sy avy any atsimo. 4 Nirenireny tany an'efitra teny amin'ny lalana hay izy ireo ary tsy nahita tanàna honenana. 5 Satria noana sady nangetaheta izy ireo, dia heniky ny faharerahana izy ireo. 6 Dia niantso mafy an'i Yaveh tamin'ny andro fahoriany, ka namonjy azy ireo tamin'ny fahoriany Izy. 7 Nitondra azy ireo tamin'ny lalana mahitsy Izy mba ahafahan'izy ireo mandeha any amin'ny tanàna izay honenany. 8 Hidera an'i Yaveh anie ireo olona nohon'ny famindram-pony sy ireo zava-tsoa rehetra nataony tamin'ny olombelona! 9 Fa manome fahafa-po ny fanirian'ireo izay mangetaheta Izy, ary ny fanirian'ireo noana dia vokisany zava-tsoa. 10 Ny sasany mitoetra anaty aizina sy aloky ny fahafatesana, voagadram-pahoriana sy ireo rojo vy. 11 Nisy izany satria nikomy nanohitra ny tenin'Andriamanitra izy ireo ary nanary ny torolalan'ny Avo Indrindra. 12 Nampietry ny fon'izy ireo tamin'ny zava-tsarotra Izy. Tafintohina izy ireo ary tsy nisy olona hanampy azy ireo hitraka. 13 Dia niantso an'i Yaveh tamin'ny fahoriany izy ireo, ka nentin'i Yaveh hiala avy tao amin'ny fahoriany. 14 Nitondra azy ireo hivoaka ny maizina sy ny haizim-pito Izy ary novakiany ny fatoran'izy ireo. 15 Hidera an'i Yaveh anie ireo olona ireo nohon'ny famindram-pony sy ireo zava-mahagaga nataony ho an'ny olombelona! 16 Fa namotika ny vavahady varahina Izy ary nanapaka ireo hidy vy. 17 Adala izy ireo tamin'ny fikomiana nataony ary ory noho ireo helony. 18 Very ny faniriany hihinana ny hanina rehetra, ary niha-nanakaiky ny vavahadin'ny fahafatesana izy ireo. 19 Dia niantso mafy an'i Yaveh izy ireo tamin'ny fahoriany, dia nitondra azy ireo hivoaka amin'ny fahoriany Izy. 20 Nandefa ny teniny Izy ka nanasitrana azy ireo, dia novonjeny tamin'ny fahapotehiny izy ireo. 21 Ny olona anie hidera an'i Yaveh nohon'ny famindram-pony sy ireo zava-mahagaga nataony tamin'olombelona! 22 Aoka izy ireo hanolotra ireo fanati-pisaorana ka hanambara ny asany lehibe amin'ny fihirana. 23 Izay miantsambo eny an-dranomasina sy manao raharaham-barotra any ampitan-dranomasina. 24 Ireo dia nahita ny asan'i Yaveh sy ny fahagaganany teny an-dranomasina. 25 Fa Izy no mibaiko sy maniraka ny tafio-drivotra izay mampisondrotra ny ranomasina. 26 Nanakatra ny lanitra ireny; ary nidina tany amin'ny lalina. Ketraky ny fahoriana ny fiainan'izy ireo. 27 Nisangodina sady nivembena tahaka ireo mpimamo izy ireo dia lasa tany amin'ny fahaverezan-tsaina. 28 Ary niantso an'i Yaveh tamin'ny fahoriany izy ireo, ka nentiny nivoaka tamin'ny fahoriany izy ireo. 29 Nampitsahatra ny tafio-drivotra Izy, ary nampitony ny onjan-dranomasina. 30 Ary dia niravoravo izy ireo satria nitony ny ranomasina, ary nitondra azy ireo ho eny amin'ny morony nirian'izy ireo Izy. 31 Ny olona anie hidera an'i Yaveh nohon'ny famindram-pony sy amin'ireo zava-mahatalanjona nataony tamin'olombelona! 32 Aoka izy ireo hanandratra Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona ary hidera Azy eo amin'ny filan-kevitr'ireo loholona. 33 Mamadika ireo ony ho efitra Izy, loharano ho tany maina, 34 ary tany mahavokatra ho tany hay noho ny faharatsian'ny olony. 35 Mamadika ny efitra ho farihin-drano Izy ary tany maina ho loharano maro. 36 Apetrany any izay noana, ary hanorina tanàna honenana izy ireo. 37 hanorina tanàna hisy saha izy ireo, ho atao tanim-boaloboka, ary hamokatra be. 38 Hitahy ireo Izy ka ho maro an'isa izany. Tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny. 39 Fa nihena sy nietry izy ireo nohon'ny fahoriana maharary sy hirifiry. 40 Mandraraka fanamavoana amin'ireo mpitarika Izy ary mampirenireny azy ireo any an'efitra, izay tsy misy lalana. 41 Fa miaro ireo mahantra nohon'ny fahoriana kosa Izy ary miahy ireo fianakaviany tahaka ny andian'ondry. 42 Hahita izany ny olo-mahitsy ka ho faly, ary ireo ratsy fanahy rehetra manakombom-bava. 43 Izay hendry dia aoka handray an-tsoratra izany zavatra izany ary hihevitra ireo asa famindram-pon'i Yaveh.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"tsy mety tapitra mihitsy ny fitiavany mahatoky"
Ny "ireo navotana" dia manondro an'ireo vahoaka izay navotan'i Yaveh. DH: "ireo izay navotan'i Yaveh"
Izany dia midika hoe milaza amin'ny hafa momba ny zavatra iray. DH: "hilaza momba izay nataon'i Yaveh"
Eto ny "tanana" dia manondro fahefana. DH: 'tamin'ny fahefan'ny fahavalo"
Eto ireo vazan-tany efatra dia nomena mba hanamafisana fa manangona azy ireo Izy na aiza na aiza. DH: "avy amin'ny vazan-tany rehetra" na "avy amin'ny faritra rehetra amin'ny tany"
Izany dia mamaritra ireo toerana izay anangonan'i Yaveh ny olony. DH: "naangona azy ireo avy amin'ny atsinanana sy avy any andrefana, avy any avaratra sy avy any atsimo Izy"
"Nisy ny olona no nirenireny"
"teny an-dalana izay tany an-tany efitra"
"izay ahafahan'izy ireo monina"
Izany dia midika fa mivavaka amin'i Yaveh izy ireo mba hanampiany azy ireo. DH: "Ka dia nivavaka tamin'i Yaveh izy ireo mba hanampy azy ireo amin'ny fahoriany"
"fahasahiranana" na "hasarotana"
"Aoka ny olona hidera an'i Yaveh satria tia azy ireo marina Izy" na "Tokony hidera an'i Yaveh ny olona noho ny fitiavany mahatoky." Eto ny teny "anie" dia ampiasaina mba hampitaina faniriana mafy ho an'ny olona mba hidera Azy.
"olona"
"Fa manome rano ho an'izay maniry izany Izy—ho an'izay mangetaheta"
"ary ho an'izay tena noana sy maniry hanina, dia omeny zava-tsoa hohanina izy ireo"
"ho an'ny olon-drehetra"
Izany dia midika fa ireo dia olona izay novonjen'i Yaveh. DH: "Namonjy olona nitoetra ihany koa Yaveh"
Ny "fahamaizinana " na "aizim-pito" dia manana hevitra mitovy ary ampiasaina mba hanamfisana ny hatevin'ny aizin'ny figadrana. DH: "anaty fahamaizinana tanteraka"
Ireo andianteny ireo dia manana hevitra mifandraika ary manamafy ny haben'ny fikomin'izy ireo tamin'Andriamanitra indray, izay antony nampigadra azy ireo.
Eto ny fo dia maneho olona, ny marimarina kokoa dia ny sitrapony. DH: "Nampietry azy ireo tamin'ny famelana hiharitra fahasahiranana Izy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "fahoriana" na 2) "asa mafy."
Ny teny "tafintohina" dia manondro fotoana izay nisian'ny toe-javatra sarotra tamin'ireo vahoaka ireo. DH: "tonga tanaty fahoriana izy ireo ka tsy nisy nanmpy azy ireo tamin'izany"
Izany dia midika fa mivavaka amin'i Yaveh izy ireo mba hanampiany azy ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 107:4. DH: "Dia nivavaka tamin'i Yaveh izy ireo mba hanampy amin'ny fahoriany"
"fahasahiranana" na "fahasarotana." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 107:4.
Eto Davida dia mamaritra an'i Yaveh manavotra azzy ireo amin'ny fahoriay toy ny hoe toerana hita maso ny fahorian'izy ireo ka nitondra azy ireo avy tao Izy. DH: "navotany"
'Yaveh nitondra an'ireo izay any am-ponja"
Ny "fahamaizinana " na "aizim-pito" dia manana hevitra mitovy ary ampiasaina mba hanamfisana ny hatevin'ny aizin'ny figadrana. DH: "anaty fahamaizinana tanteraka"
"Aoka ny olona hidera an'i Yaveh satria tia azy ireo marina tokoa Izy" na "Tokony hidera an'i Yaveh ny olona noho ny fitiavany tsy mivadika." Eto ny teny "anie" dia ampiasaina hampitana faniriana lalina ho an'ny olona izay midera Azy. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 107:8.
"Satria Izy"
Ireo andianteny roa ireo dia mamaritra an'i Yaveh manafaka ny vahoakany ao am-pigadrana ary ampiasaina mba hanamafisana fa nanafaka azy ireo tokoa Yaveh. DH: "Fa Izy nanafaka ny olony tao am-pigadrana"
"Adala izy ireo raha nikomy tamin'i Yaveh"
"ary nijaly." Ny marimarina kokoa dia orin'ny aretina. DH: "ary tonga narary izy ireo"
Eto ny andalam-pahafatesana dia faritana ho toerana: "ny vavahadin'ny fahafatesana" DH: "efa ho faty izy ireo"
Izany dia midika fa mivavaka amin'i Yaveh izy ireo mba hanampiany azy ireo. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 107:4. DH: "Ka dia nivavaka tamin'i Yaveh izy ireo mba hanampy azy ireo amin'ny fahoriany"
Eto Davida dia mamaritra an'i Yaveh miteny ho mandefa ny teniny toy ny hoe izany no iraka. Ireo mety ho heviny dia 1) "Izy nandidy azy ireo ho sitrana dia sitrana izy ireo" na 2) "Nampahereziny izy ireo ary nositraniny"
"Aoka ny olona hidera an'i Yaveh satria tia azy ireo marina Izy" na "Tokony hidera an'i Yaveh ny olona noho ny fitiavany mahatoky." Eto ny teny "anie" dia ampiasaina mba hampitaina faniriana mafy ho an'ny olona mba hidera Azy.
"izay mampiseho fa feno fisaorana izy ireo"
"amin'ny fihirana momba ireny"
Hiandriaka amin'ny toerana maro izy ireo mba hividy sy hivarotra zavatra amin'ny olona any. DH: "mivarotra zavatra any amin'ny tanàna lavitra be" (UDB)
"Izy no nandidy ny rivotra sy nahatonga izany ho tafio-drivotra mahery izay nampisamboaravoara ny ranomasina"
Rivo-mahery, tahaka ny rivotra izay miampy oram-baratra
Eto Davida dia mamaritra ny rivotra mahatonga onja ho avo toy ny hoe zavatra masiaka izay mampisondrotra zavatra hafa. DH: "izay nahatonga ny onjan-dranomasina ho tena avo"
Izany dia mamaritra ireo sambo miaka-midina amin'ny onja. Ny fiaingana ambony indrindra any amin'ny lanitra ka mianjera any amin'ny lalina dia fanitarana mba hanehoana ny maha mahatsiravina ny tafio-drivotra. DH: "hiakatra ambony be ambony onja ireo sambo ka hianjera ambany be anelanelan'ny onja"
Ity fomba fiteny ity dia mamaritra ny tahotra lehibe nahazo ireo tantsambo. DH: "Nihorohoro sy nampahoriana mafy ireo lehilahy"
Ny andianteny "tonga tanaty fahaverezan-tsaina" dia midika fa tsy fantatr'izy ireo izay hatao. DH: "ary tsy fantatr'izy ireo izay tokony atao" na "tsy nanan-kevitra ny amin'izay tokony atao izy ireo"
Izany dia midika fa mivavaka amin'i Yaveh izy ireo mba hanampy azy ireo. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 107:4. DH: "Ka dia nivavaka tamin'i Yaveh izy ireo mba hanampy amin'ny fahoriany"
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro an'ireo tantsambo.
"Nampijanona ny rivotra Izy"
"nitarika azy ireo Izy"
"ny morony tian'izy ireo naleha"
"Aoka ny olona hidera an'i Yaveh satria tia azy ireo marina tokoa Izy" na "Tokony hidera an'i Yaveh ny olona noho ny fitiavany tsy mivadika." Eto ny teny "anie" dia ampiasaina hampitana faniriana lalina ho an'ny olona izay midera Azy. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 107:8.
"Rehefa miara-mipetraka ireo loholona." Ireo loholona niara-nipetraka mba hiresadresaka ao amin'ny fiarahamonina ny vaholana sy hanapakevitra ho an'ny fiarahamonin.
"Yaveh manao"
"satria ratsy fanahy ny olona izay monina ao"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary manamafy ny fomba ampitosahan'i Yaveh rano any an'efitra. DH: "Manao loharano sy farihy marobe any amin'ny tany izay efa tany efitra hatrizay Izy"
Ny teny "any" dia manondro an'ireo toerana izay nanaovan'i Yaveh loharano sy farihy hitranga. Ary koa, ny andianteny "ny noana" dia manondro ny olona izay noana. DH: "Yaveh manao ny olona noana honina any"
"hamboly hazom-boaloboka"
"mba hamokaran'izay ireo vokatra be dia be"
"mba ho maro isa ny vahoakany"
Ny teny "izay ireo" dia manondro an'ireo olona izay noana ka nampitoerin'i Yaveh tany amin'ny tany. Ity fehezanteny ity dia mamaritra azy ireo talohan'ny nametrahan'i Yaveh azy ireo tany amin'ny tany.
"niha-vitsy anisa"
Izany dia midika hoe nahetry. DH: "nahetry"
Eto Davida dia miteny an'i Yaveh mampiseho fanamavoana ho an'ireo mpitarika toy ny hoe rano ararany ambony lohan'izy ireo ny fanamavoana. DH: "mampiseho fanamavoana ho an'ny"
"ireo manan-kaja." Izany dia manondro an'ireo mpitarika izay nampahory ny vahoaka. DH: "ireo mpitarika nampahory azy ireo"
"izay tsy falehan'ny olona mihitsy"
"Fa Yaveh kosa"
Izany dia manondro an'ireo olona mahantra. DH: "olo-mahantra" na "olona malahelo"
Eto Davida dia mampitaha ny fomba hiahian'i Yaveh ny vahoakany amin'ny fomba hikarakaran'ny mpiandry ondry ny ondriny. Ireo mety ho heviny dia 1) "mampitombo ny isan'ny olona ao amin'ny fianakaviany tahaka ny andian'ondry" na 2) "mikarakara azy ireo tahaka ny mpiandry ondry mikarakara ny ondriny"
Izany dia manondro an'ireo olona izay miaina amin'ny fomba mahitsy. DH: "olo-mahitsy" na "olona manao izay marina"
Eto ny olona ratsy fanahy dia tondroina ho "faharatsiana." DH: "ny olona ratsy fanahy rehetra"
Izany dia midika ho tsy fitenenana valiny. DH: "tsy hanan-kolazaina amin'ny famalian'i Yaveh"
Izany dia midika hoe mihevitra ny amin'ireo zavatra ireo. DH: "hihevitra ny amin'ireo zavatra ireo" na hahatsiaro ireo zavatra ireo"
Tonon-kira, salamo nataon'i Davida. 1 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra o; hihira aho, eny, hihira fiderana amin'ny foko ravoravo ihany koa aho. 2 Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha vao mangiran-dratsy aho. 3 Hisaotra Anao aho, ry Yaveh, eny amin'ny olon-drehetra; hihira fiderana ho Anao aho eny amin'ny firenen-drehetra. 4 Fa ny famindram-ponao dia lehibe ambonin'ny lanitra ary mipaka eny amin'ireo habakabaka ny fahamendreham-pitokianao. 5 Misandràta, Andriamanitra o, any ambonin'ny lanitra, ary aoka ny voninahitrao hisandratra manerana ny tany rehetra. 6 Mba ho voavonjy ireo malalanao, vonjeo amin'ny tanana ankavananao aho ka valio. 7 Niteny tamin'ny fahamasinany Andriamanitra ka nanao hoe: "Hifaly aho ary hizara an'i Sekema; ary hizara ny Lohasahan'i Sokota. 8 Ahy i Gileada, ary ahy i Manase, arolohako ihany koa i Efraima; tehim-panjakako i Joda. 9 Tavindrano fanasako i Moaba eo amin'i Edoma no hanipazako ny kapako; hihiaka fandresena Aho noho i Filistia. 10 Iza no hitondra Ahy any amin'ny tanàna matanjaka? Iza no hitarika Ahy ho any Edoma?" 11 Andriamanitra o, tsy efa nanary anay ve Ianao? Tsy hivoaka amin'ny ady miaraka amin'ny tafikay Ianao. 12 Omeo fanampiana izahay hanohitra ny fahavalo, fa zava-poana ny fanampian'ny olona. 13 Miaraka amin'ny fanampian'Andriamanitra no haharesentsika; hanitsahany ireo fahavalontsika.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida no nanoratra ny salamo na 2) ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Eto Davida dia manondro ny tenany ihany amin'ny fony. Ary koa, ny teny "tafatoetra" dia midika hoe mitoky tanteraka. DH: "Tafatoetra aminao ny foko, Andriamanitra o" na "Mitoky tanteraka aminao aho, Andriamanitra o"
Eto Davida dia manondro ny tenany ho manana haja amin'ny fiderana an'Andriamanitra. DH: "Mitsodrano ahy amin'ny famelana ahy hihira fiderana ho Anao Ianao"
Eto Davida dia mamaritra ny fitendrena ny zava-manenony ho mampifoha azy ireo amin'ny fatoriana. DH: "Hidera Anao amin'ny fitendrena valiha sy lokanga aho"
Eto Davida dia mamaritra ny mangiran-dratsy mifoha tahaka ny olona mifoha amin'ny maraina. DH: "Hidera Anao aho rehefa tonga ny mangoran-dratsy"
Rehefa miposaka ny masoandro
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. Mampitaha ny fahalehibiazan'ny famindrampon'i Yaveh sy ny fahamarinany amin'ny fahalehibiazan'ny haavon'ny lanitra ambonin'ny tany Ireo. DH: "lehibe mihoatra ny halaviran'ny lanitra amin'ny tany ny fampindrampo sy fahamarinanao"
Ny mpanao salamo mangataka amin'Andriamanitra hampiseho fa asandratra Izy. Ny asandratra ambonin'ny lanitra dia maneho ny maha lehibe. DH: "Andriamanitra o, asehoy fa asandratra ambonin'ny lanitra Ianao" na "Andriamanitra o, asehoy fa lehibe any an-danitra Ianao"
Eto Yaveh dia tondroina amin'ny "voninahiny." DH: "hasandratra anie Ianao"
Eto ny "tanana ankavanan'i Yaveh" dia manondro ny fahefany. DH: "amin'ny fahefanao"
Ny famaliana eto dia maneho famaliana ny fangatahany. DH: "valio ny fangatahako" na "valio ny fivavako"
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Eto Davida dia mamaritra an'Andriamanitra miteny zavatra satria masina Izy raha miteny hoe "amin'ny fahamasinany," toy ny hoe zavatra ny fahamasinana ary ohatran'ny hoe tao anatiny Izy. DH: "Andriamanitra, satria marina izy, dia niteny"
Eto Andriamanitra dia miteny momba ny fizarana ny tanin'i Sekema sy ny lohasahan'i Sokota.
Mizara ho isan'isany
andriamanitra miteny an'ireo fokon'i Efraima toy ny hoe tafiny. Ny aroloha dia manamarika ny fitaovana ho an'ny ady. DH: "tahaka ny aroloha efa nofidiako Efraima" na "Ny fokon'i Efraima no tafiko"
satroka mafy izay anaovan'ny miaramila hiarovana ny lohany amin'ny faharatrana
Andriamanitra nifidy lehilahy avy amin'ny fokon'i Joda mba ho mpanjakan'ny vahoaka, ary Izy miteny an'izany foko izany toy ny hoe tehim-piandrianany. DH: "tahaka ny tehim-piandrianako ny fokon'i Joda"
Andriamanitra miteny an'i Moaba ho tsy dia lehibe toy ny hoe tavindrano fanasana na mpanompo ambany. DH: "Tahaka ny koveta ampiasaiko amin'ny fisasana i Moaba"
Andriamanitra mety niteny ny fakana an'i Edoma ho fananana toy ny hoe manipy ny kapany eo amin'izany tany izany an'ohatra fotsiny Izy mba hampisehoana fa Azy izany. Kanefa Misy amin'ireo dika-teny sasany manana fomba filaza hafa. DH: "Alaiko ho fananana ny tanin'i Edoma" na "manipy ny kapako eo amin'ny tanin'i Edoma Aho mba hampisehoana fa Ahy izany"
Ny mpanao salamo mampiasa ity fanontaniana ity mba hanehoana ny alaehlony fa izy ireo toa nolavin'Andriamanitra. DH: "Mahatsiaro nolavinao izahay" na "Andriamanitra o, toa nahafoy anay Ianao"
Ny mpanao salamo miteny an'Andriamanitra manampy ny tafiny toy ny hoe tokony nandeha sy niady niaraka tamin'izy ireo Andriamanitra. DH: "Tsy nanampy ny tafikay Ianao rehefa nandeha niady izahay"
"tsy misy dikany"
"hanana fandresena"
Ny mpanao salamo miteny an'Andriamanitra manampy ny tafik'izy ireo handresy ireo fahavalony toy ny hoe nitsakitsahan'Andriamanitra ireo fahavalo. DH: "hamela antsika hanitsakitsaka ireo fahalontsika Izy" na "hanao antsika ho afa-mandresy ireo fahavalontsika Izy"
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. 1 Andriamanitra izay deraiko o, aza mangina, 2 Fa mamely ahy ny ratsy fanahy sy mpamitaka; milaza lainga manohitra ahy izy ireo. 3 Manodidina ahy izy ireo ka miteny zavatra fankahalana, ary mamely ahy tsy amin'ny antony izy ireo 4 Endrikendrika no nataon'izy ireo ho setrin'ny fitiavako, fa izaho kosa mivavaka ho azy ireo. 5 Novalian'izy ireo ratsy ny soa nataoko, ary halany ny fitiavako. 6 Manendre lehilahy ratsy fanahy mba ho fahavalo tahaka ireny olona ireny; manendre mpiampanga hitsangana eo an-tananany ankavana. 7 Rehefa ho tsaraina izy dia aoka ho meloka, ary aoka ny fivavahany heverina ho fahotana. 8 Aoka ho fohy ny androny; ary aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara raharahany. 9 Aoka ny zanany ho kamboty ray, ary aoka ny vadiny ho mpitondratena. 10 Aoka ny zanany hirenireny sy hitalaho, hangataka sakafo raha mandao ny fonenany simba izy ireo. 11 Aoka ho alain'ny tompon-trosa izay azy rehetra; ary aoka ny vahiny handroba izay azony. 12 Aoka tsy hisy na iray aza hampiseho hatsaram-panahy aminy; aoka tsy hisy hiantra ny zanany kamboty. 13 Aoka ho ringana ny zanany; ary aoka ny anarany ho vonoina tsy ho amin'ny taranaka fara mandimby. 14 Aoka ho lazaina amin'i Yaveh ny helok'ireo razany; ary aoka tsy hoadinoina ny heloky ny reniny. 15 Aoka ho eo anatrehan'i Yaveh mandrakariva ny hadisoan'izy ireo; aoka hofoanan'i Yaveh amin'ny tany rehetra ny fahatsiarovana azy ireo. 16 Aoka ataon'i Yaveh izany satria io lehilahy io dia tsy mba nampiseho famindram-po, fa kosa nampijaly ny ory, ny mahantra, ary ny kivy fo amin'ny fahafatesana. 17 Nitia ozona izy; hanody azy anie izany. Mankahala fitahiana izy; aoka tsy hisy fitahiana ho tonga aminy. 18 Mampitafy tena amin'ny ozona tahaka ny akanjony izy, ary fanozonana no mipàka any anatiny tahaka ny rano, tahaka ny diloilo ao anaty taolany. 19 Aoka ny ozony ho tahaka ny fitafiana izay handrakofany ny tenany, tahaka ny fehikibo izay anaovany mandrakariva. 20 Aoka izany ho valisoa ho an'ireo mpiampanga avy amin'i Yaveh, ho an'izay miteny ratsy ny amiko. 21 Yaveh Tompoko o, manaova amin-katsaram-panahy amiko noho ny amin'ny anaranao. Satria tsara ny famindram-ponao, vonjeo aho. 22 Fa ory sy mahantra aho, ary ny foko dia voaratra ao anatiko. 23 Mihena tahaka ny aloky ny hariva aho; ary nahintsana tahaka ny valala. 24 Reraky ny fifadian-kanina ny lohaliko; mihova ho taolana mifono hoditra aho. 25 Ataon'ireo mpiampanga ahy ho tsinontsinona aho; rehefa mahita ahy izy ireo dia mihifikifi-doha. 26 Ampio aho, ry Yaveh Andriamanitro; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho. 27 Ary aoka ho fantatr'izy ireo fa izany no asanao, izay Ianao, Yaveh, no nanao izany. 28 Na dia manozona ahy aza izy ireo, dia mba tahio re aho; raha mamely izy ireo; aoka hitsanga-menatra, fa aoka ny mpanomponao hifaly. 29 Aoka hitafy henatra ireo fahavaloko; aoka hiakanjo ny fahamenarany ho tahaka ny tohitena izy ireo. 30 Amin'ny vavako no hanolorako fisaorana lehibe ho an'i Yaveh; hidera Azy eo afovoan'ny olona aho. 31 Fa mitsangana eo an-tanana ankavanan'ny malahelo Izy, mba hamonjy azy amin'ireo izay mitsara azy.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida no nanoratra ny salamo na 2) ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny teny "ratsy fanahy" sy "mpamitaka" dia manondro ny olona. Mitovy hevitra ireo ary manamafy ny maha ratsy an'ireo olona ireo. DH: "Fa ireo olona ratsy fanahy sy mpamitaka"
"Na dia nitia azy ireo aza aho, dia ampangainy"
"ny fitiavako azy ireo"
Ny teny "izy ireo" dia manondro an'ireo olona izay ratsy fanahy sy mpamitaka.
Ireo andianteny roa ireo dia mifanindry lalana ary ny andianteny "lehilahy ratsy fanahy" sy "mpiampanga" dia manondro olona mitovy.
"eo amin'ny tanana ankavanan'ny fahavaloko"
Ny andianteny "ny androny" dia manondro ny halavan'ny fiainany. DH: "Tsy ho lava andro lava anie izy"
"ny misy azy amin'ny fahefana"
"ny fonenany potika"
Olona izay mampindram-bola amin'olona hafa ka manantena an'ilay olona fa hamerina ny vola aminy
"mangalatra"
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra mitovy ary manamafy an'ireo zanany ho ringana.
Eto ny hevitry ny hoe tsy misy hitondra ny anaran'ny fianakaviana dia lazaina toy ny hoe "ho voafafa ny anaran'izy ireo." DH: "aoka tsy hisy hitondra ny anarany"
Eto Davida miteny momba an'i Yaveh mihevitra ny amin'ny hadisoan'izy ireo toy ny hoe zavatra hita maso manatrika eo anoloany ny hadisoan'izy ireo. DH: "Aoka Yaveh hisaina mandrakariva ny amin'ny fahotan'izy ireo"
Davida mampiasa ny teny "tany" mba hanondroana ny olon-drehetra izay monina ambonin'ny tany. Ary koa, ny andianteny "fahatsiarovana azy ireo" dia manondro ny olona mahatsiaro azy ireo aorian'ny hafatesany. DH: "aoka Yaveh hanao izany ka tsy hisy hahatsiaro azy ireo"
Izany dia manondro azy mampiseho famindrampo amin'ny olona. DH: "io lehilahy io dia tsy mba nanelingelina mihitsy mba hampiseho famindrampo amin'ny olona"
Izany dia manondro an'ireo olona nampahoriana sy mahantra. DH: "olona nampahoriana, olona mahantra"
Izany dia manondro an'ireo olona izay diso fanantenana. DH: "olona diso fanantenana" na "olona izay kivy tanteraka"
"mandra-pahafaty azy ireo." Izany dia midika fa nampijaly azy ireo Izy mandra-pahafatin'izy ireo.
"ho tonga aminy anie ny fanozonany"
Davida miteny ny fitondran-tenan'ny olona ratsy fanahy toy ny hoe fitafy. DH: "Nanozona olona hafa matetika tahaka ny niakanjo izy" na "nanozon'olona foana izy"
"toy ny hoe akanjony izany"
Ireo mety ho heviny dia 1) Nilaza ozona matetika izy ka tonga isan'ny famantarana azy ireny. "isan'ny maha izy azy ireo ozona lazainy" na 2) nitranga taminy ny ozona nolazainy. "voaozon'ny ozona nolazainy ny tenany manontolo"
Izany dia manondro ny fomba fisotroan'olona rano. DH: "tahaka ny rano sotroin'olona"
Izany dia manondro ny fomba hilentehan'ny diloilo anaty hoditra raha horina. DH: "tahaka ny diloilon'oliva alentika anaty taolan'olona rehefa horina amin'ny hodiny"
Nitafy ny akanjony foana ny olona isan'andro. Davida miteny ny tenany voarakotra ozona foana toy ny voarakotry ny lambany. DH: "Aoka ny ozony ho eo aminy isan'andro tahaka ny fitafiana anaovany"
"ary aoka ny ozony ho eo aminy mandrakariva tahaka ny fehikibo anaovany foana"
"Aoka ireo ozona ireo ho valisoa"
Izany dia fangatahana ho an'i Yaveh mba hitondra azy amin-pahalemem-panahy.
"noho ny amin'ny lazanao"
Ireo teny roa ireo dia mitovy hevitra ary manamafy fa tsy afaka manampy ny tenany izy.
Eto Davida dia miteny ny haben'ny fahadisoam-panantenany tahaka ny hoe noratrana ny fony. DH: "feno alahelo aho ary diso fanantenana"
Davida mahatsiaro tena efa hofaty sy mamaritra izay fahatsapany izany amin'ny fampitahana ny tenany amin'ny aloka mihalefy ary amin'ny fomba hitsofan'ny rivotra ny valala. DH: "Mahatsiaro tena efa hofaty aho, tahaka ny aloka andro hariva izay hanjavona tsy ho ela, tahaka ny valala moratsofin-drivotra"
Izany dia midika fa reraka izy ary sarotra aminy ny hijoro. DH: "Reraka ny nofoko" na "sarotra amiko ny hitsangana"
"satria tsy mihinan-kanina mihitsy aho"
Izany dia midika fa very lanja izy. DH: "niova ho mahia kely ny vatako" (UDB)
Izany dia fihetsika tsy fankatoavana.
Ny teny "izy ireo" dia manondro an'ireo mpiampanga an'i Davida sy ireo olona izay milaza zava-dratsy momba azy.
"no nanavotra ahy"
Ny teny "izy ireo" dia manondro an'ireo olona izay miampanga an'i Davida sy milaza zava-dratsy momba azy.
"fa aoka kosa aho, mpanomponao, hifaly" na "Mpanomponao aho, ka aoka hifaly." Davida mampiasa ny andianteny "ny mpanomponao" mba hanondroana ny tenany.
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy hevitra ary ampiasaina miaraka mba ho fanamafisana ny haben'ny faniriany azy ireo ho menatra.
Eto Davida miteny azy ireo menatra toy ny hoe henatra no fitafiana anaovan'izy ireo. DH: "ho menatra tokoa"
Davida miteny azy ireo menatra toy ny hoe tohitena anaovan'izy ireo ny henatra. DH: "aoka ny henatr'izy ireo no hanarona azy ireo tahaka ny tohitena mamono azy ireo"
Izany dia midika fa hiteny izy. DH: "Hiteny sy hanome aho"
Izany dia midika fa hanampy sy hiaro ny olona malahelo Izy. DH: "hiaro an'izay malahelo"
Salamo nataon'i Davida. 1 Hoy Yaveh amin'ny tompoko: "Mipetraha eto an-tananako ankavanana ambara-panaoko ireo fahavalonao ho fitoera-tongotrao." 2 Yaveh dia hamoaka ny tehim-panjakan'ny herinao avy any Ziona; ka mandidia eo amin'ireo fahavalonao. 3 Hanara-dia anao an-kalalahana ny vahoakanao anatin'ireo akanjo masina amin'ny andron'ny fahefanao; ateraka amin'ny mangiran-dratsy tahaka ny ando ho anao ny zatovonao. 4 Yaveh efa nianiana, ary tsy hiova hoe: "mpisorona ho Ahy mandrakizay ianao, araka ny fanaon'i Melkizedeka." 5 Eo an-tananao ankavanana ny Tompo. Hamono ireo mpanjaka Izy amin'ny androm-pahatezerany. 6 Hitsara ireo firenena Izy; hofenoiny faty ny tany fiadiana; ary hovonoiny ireo mpitondra any amin'ireo firenena maro. 7 Hisotro amin'ny lohasahan-driaka any an-dalana Izy, ary dia hampitraka avo ny lohany aorian'ny fandresena Izy.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida no nanoratra ny salamo na 2) ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny andianteny "tanako ankavanana" dia manondro ny toeram-boninahitra. DH: "Mipetraha eo amin'ny toeram-boninahitra izay omeko ho anao"
Eto davida dia mamaritra an'i Yaveh mametraka ny fahavalon'ny tompony ho eo ambany fahefana sy fifehezana ho mametraka azy ireo ho eo ambany tongony tahaka ny fitoeran-tongony. DH: "ambara-pametrako an'ireo fahavalonao ho eo ambany fahefanao"
Davida manohy miteny amin'ny mpanjaka.
Eto Davida dia miteny an'i Yaveh manitatra ny faritra hanapahan'ny mpanjaka ho toy ny mamoaka ny tehim-piandrianany. DH: "Yaveh hanitatra ny faritra izay hanapahanao amin-kery"
"Ry mpanjaka, manapaha amin'ireo fahavalonao." Izany dia baiko lazaina amin'ny mpanjaka.
"amin'ny safidin'izy ireo manokana." Izany dia midika fa hifidy ny hara-dia ny mpanjaka izy ireo.
Izany dia manondro ny andro izay hitarihan'ny mpanjaka ireo tafiny ho amin'ny ady. Azo ambara mazava tsara izany. DH: "amin'ny andro izay hitarihanao ireo tafikao ho amin'ny ady" (UDB)
Davida mamaritra ny ando ho toy ny zazakely ateraky ny mangiran-dratsy. DH: "amin'ny maraina... tahaka ny ando"
Davida milaza amin'ny mpanjaka fa hanana hery tanora isa-maraina izy amin'ny alalan'ny fampitahana izany amin'ny fomba hisehoan'ny ando vao maraina isan'andro. DH: "isa-maraina ianao dia ho feno hery tanora hihazonana ny tenanao tahaka ny ando miseho isa-maraina mba hanamando sy hihazona ny tany"
Miresaka amin'ilay tompo i Yaveh.
Izany dia midika fa tsy hiova amin'izay nolazainy izy. DH: "tsy hiova hevitra izy" na "tsy hiova amin'izay nolazainy izy"
"araka ny fomba fanao izay naha mpisorona an'i Melkizedeka" na "fomba mitovy amin'ny naha mpisorona an'i Melkizedeka"
Rehefa mandeha miady ny tompo, dia mijoro eo amin'ny tanany ankavanana Yaveh mba hanampy azy. DH: "Manampy anao ao anaty ady ny Tompo"
Ny teny "Tompo" dia manondro an'i Yaveh.
Ny teny "Izy" dia manondro an'i Yaveh. Hanao ireo mpanjaka ho resy sy hofaty Izy, fa hamela ny tafiky ny mpanjaka hamono ireo mpanjaka fahavalo. DH: "Hahafaty ireo mpanjaka Izy" na "Hamela ny tafikao hamono ireo mpanjaka Izy"
Izany dia manondro an'ireo fahavalo. DH: "mpanjaka fahavalo"
Eto Davida miteny ny andro izay hahatezitra an'i Yaveh sy handresena ireo mpanjaka ho toy ny "androm-pahatezerany." DH: "amin'ny andron'ny fitsarana rehefa hivadika ho hatezerana ny faharetany"
Izany dia midika fa Yaveh hampitranga izany, fa kosa tsy hamono mivantana an'ireo olona izay maty amin'ny tanin'ady. DH: "hanao ny tanin'ady ho feno razana Izy"
Izany dia midika fa Yaveh hampitranga izany, fa kosa tsy hamono mivantana an'ireo mpitarika. DH: "hahatonga an'ireo mpitarika amin'ny firenena maro hofaty Izy" na "hamela an'ireo mpitarika amin'ny firenena maro hofaty Izy"
Hisotro rano ihany no hijanonan'ny mpanjaka dia manohy manenjika ireo fahavalony izy. DH: "Satria izy manenjika ireo fahavalony, dia misotro rano ihany no hany hijanonany kely amin'ny lohasahan-driaka"
Izany dia midika fa hisotro rano amin'ny lohasahan-driaka izy. Ny lohasahan-driaka dia ranomandeha kely. DH: "Hisotro rano avy amin'ny lohasahan-driaka izy"
"noho izany"
Ireo mety ho heviny dia 1) Ny mpanjaka mampitraka ihany no mampitraka ny lohany na 2) Yaveh no mampitraka ny lohan'ny mpanjaka.
Nampitraka ny lohany ny olona rehefa mandresy, sy matoky tena, ary faly izy ireo. DH: "hampitraka ny lohany amim-pahatokisan-tena izy aorian'ny fandresena" na "ho mpandresy izy"
1 Miderà an'i Yaveh. Hanolotra fisaorana ho an'i Yaveh amin'ny foko manontolo aho ao amin'ny fiangonan'ny olo-marina, ao amin'ny fivondronan'izy ireo. 2 Lehibe ireo asan'Andriamanitra, nandrasan'izay rehetra naniry azy ireo tamim-paharisihana. 3 Malaza sy be voninahitra ny asany, ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay. 4 Manao zava-mahafinaritra izay hotsaroana Izy; mpamindra fo sy miantra Yaveh. 5 Manome sakafo ho an'ireo mpanaraka mahatoky Azy Izy. Hampahatsiaro ny fanekeny mandrakariva Izy. 6 Nasehony tamin'ny olony ireo asa maheriny tamin'ny fanomezany azy ireo ny lovan'ireo firenena. 7 Mendri-pitokisana sy mahitsy ireo asan'ny tanany; azo antoka avokoa ireo fampianarany rehetra. 8 Mitoetra mandrakizay izany, mba mba hitandremana amim-patokiana sy amin'ny tokony ho izy. 9 Nanome fandresena ho an'ny olony Izy; nampisy ny fanekeny mandrakizay; masina sy mahatalanjona ny anarany. 10 Ny fanomezan-boninahitra an'i Yaveh no fiandoham-pahendrena; ireo izay manatanteraka ny fitsipiny no manana ny fahazavan-tsaina tsara. Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Eto ny teny "fo" dia manoeho ny aty manontolon'ilay olona sy ny fihetseham-pony. DH: "amin'ny tenako manontolo"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary mety akambana raha ilaina. DH: "ao amin'ny fivondronan'ny olo-marina"
Ny teny "izy ireo" dia manondro ny "asan'i Yaveh." DH: "ireo rehetra izay maniry fatratra ireo asan'i Yaveh dia miandry izany"
Ireo mety ho heviny dia 1) "nitady fatratra" na 2) "nandalina."
"ireo asany izay mampiseho ny fahefany"
Ny mpanoratra miteny ny tany izay an'ireo firenena any Kanana toy ny hoe lovan'izy ireo. DH: "ny tany izay fananan'ireo firenen-kafa"
Eto ny teny "tanana" dia manondro an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "ireo asa izay nataony"
Izany dia midika fa tsy miova ireo fampianaran'i Yaveh ary maharitra mandrakizay. DH: "Efa nampitoetra ireny mandrakizay Izy" na "Haharitra mandrakizay ireny"
Ireo mety ho heviny dia 1) nanome ireo fampianarany tamin'ny fomba mahatoky sy mifanaraka Yaveh na 2) tokony hitandrina ireo fampianaran'i jesosy amin'ny fomba mahatoky sy marina ny olony. DH: "ho an'ny olony mba hitandreman'izy ireo amim-pahatokiana sy aminy rariny"
Eto ny teny "anarana" dia manondro an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "masina sy mahatalanjona Yaveh"
Ny teny "fahendrena" dia azo adika ho matoanteny. DH: "no dingana voalohany hahatongavana ho hendry" na "no zava-dehibe indrindra hahatonga ho hendry"
"izay mankatoa ny fitsipiny"
Ny teny "fiderana" dia azo adika ho matoanteny. DH: "Hidera Azy mandrakizay ny olona"
1 Sambatra izay olona mankatò an'i Yaveh, izay mankasitraka fatratra ireo didiny. 2 Ireo taranany hahery eny amin'ny tany; ireo taranaky ny lehilahy ho voatahy. 3 Harena be no ao an-tranony; ny fahamarinany haharitra mandrakizay. 4 Manazava ao amin'ny maizina ho an'ny olona masina ny hazavana; miantra Izy, mpamindra fo, sy mahitsy. 5 Sambatra ny olona izay maneho amim-piantrana sy mampisambo-bola, izay mitondra ny raharahany amin'ny fahatsoram-po. 6 Fa tsy hangozohozo mihitsy izy; ny olo-marina dia ho tsaroana mandrakizay. 7 Tsy hatahotra ny vaovao ratsy izy; satria matoky, mitoky amin'i Yaveh. 8 Milamina ny fony, tsy misy tahotra, mandra-pijeriny amim-pandresena ireo fahavalony. 9 Manome amim-pahalalan-tanana ireo mahantra izy; ny fahamarinany haharitra mandrakizay; hasandratra amim-boninahitra izy. 10 Ireo olona ratsy fanahy hahita izany ary ho tezitra; hihidy vazana izy ary ho levona; ho faty ny fanirian'ny olona ratsy fanahy.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"mankamamy fatratra"
Ny olona izay mihira ity tonon-kira ity dia manohy mamaritra ny olona izay manaja an'i Yaveh.
Eto ny teny "trano" dia maneho ny fianakaviana. Ny teny "harena" dia manondro habetsahan'ny harena. DH: "Manan-karena tokoa ny ankohonany"
Ny mpanoratra miteny ny fitahian'Andriamanitra ny olona masina amin'ny andro sarotra toy ny hoe hazavana mamiratra amin'ny aizina. DH: "Tahaka ny hazana mamiratra anaty aizina ireo fitahiana izay raisin'ny olona masina avy amin'Andriamanitra"
"mampisambo-bola amin'ny olona hafa"
Ny olona izay mihira ity tonon-kira ity dia manohy mamaritra ny olona izay manaja an'i Yaveh.
Tsy ho azom-pahoriana mihitsy izy na ho safotry ny zava-misy satria amin'i Yaveh ny tokiny. DH: "Fa tsy hisy na inona na inona hampangozohozo azy"
Ny olona izay mihira ity tonon-kira ity dia manohy mamaritra ny olona izay manaja an'i Yaveh.
"Votohana ny fony." Eto ny teny "fo" dia manondro an'ilay olona. Ireo mety ho heviny dia 1) "anaty fiadanana izy" na 2) "matoky tena izy"
"ireo asany marina haharitra mandrakizay." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 112:3.
"hahita fa mandeha tsara ny zava-drehetra ho an'ny olonba masina." Ny teny "izany" dia manondro ny zava-tsoa rehetra izay nofaritan'ny mpanoratra tany amin'ireo andininy teo aloha momba ny olona masina.
Ny fanidiana vazana dia fihetsika fandavana. Jereo izay nandikanao ny andianteny mitovy ao amin'ny 35:15.
Ny mpanoratra miteny ny fahatesana tampoka mahazo ny olona ratsy fanahy toy ny hoe zavatra tahaka ny lagilasy izay mety miempo izany olona izany. DH: "hofaty tampoka"
Ireo mety ho hevitry ny "faniriana" dia 1) ny faniriana anaty izay ananan'ny olona ratsy fanahy. DH: "tsy hitranga mihitsy ireo zavatra izay tian'ny olona ratsy fanahy hatao" na 2) izany dia sarinteny ho an'ireo zavatra izay efa nirian'ny olona ratsy fanahy foana. DH: "ho very eny amin'ny olona ratsy fanahy ireo zavatra izay nirian'izy ireo"
1 Miderà an'i Yaveh. Miderà Azy, ianareo mpanompon'i Yaveh; derao ny anaran'i Yaveh. 2 Isaorana anie ny anaran'i Yaveh, ankehitriny ka ho mandrakizay mandrakizay. 3 Hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny fodiany, tokony hoderaina ny Anaran'i Yaveh. 4 Asandratra ambonin'ny firenena rehetra Yaveh, ary ny voninahiny mipàka mihoatra ny lanitra. 5 Iza no tahaka an'i Yaveh Andriamanitsika, izay mipetraka eny amin'ny avo, 6 izay mijery midina eny amin'ny lanitra sy ety an-tany? 7 Manandratra ny mahantra hiala amin'ny loto Izy ary manangana ireo fadiranovana amin'ny antontan-davenona, 8 mba hahafahany mametraka azy miaraka amin'ireo andriana, miaraka amin'ireo andrian'ny vahoakany. 9 Hanome trano fonenana ho an'ny vehivavy momba Izy, manao azy ho renin-jaza falifaly Izy. Miderà an'i Yaveh!
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Eto ny teny "anarana" dia maneho an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "an'i Yaveh"
Ity andianteny ity dia manondro ny atsinanana, izay iposahan'ny masoandro, sy ny andrefana, izay ilentehan'ny masoandro. Ny mpanoratra mampiasa ireo zavana roa ireo mba hanehoana ny hoe na aiza na aiza ety ambonin'ny tany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 50:1. DH: "Na aiza na aiza ety ambonin'ny tany"
Eto ny teny "anarana" dia maneho an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "Tokony hidera an'i Yaveh ny olona"
Ny voninahitr'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe tena avo. DH: "avo mihoatra ny lanitra ny voninahiny" na "lehibe lavitra ny voninahiny"
Ny mpanoratra mametraka ity fanontaniana ity mba hanamafisana fa tsy misy ny tahaka an'i Yaveh. Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo avadika ho fanambarana tsotra. DH: "Tsy misy tahaka an'i Yaveh Andriamanitsika ... ety an-tany.
"izay manjaka any amin'ny avo indrindra"
Ireo andianteny roa ireo dia mifanindry lalana. Ny mpanoratra miteny an'i Yaveh manampy sy manaja ny olona mahantra toy ny hoe Yaveh nanao azy ireny hijoro tamin'ny fipetrahany amin'ny loto sy lavenona.
Ny fipetrahana eo amin'ny loto sy lavenona dia maneho fahantrana sy famoizam-po.
Eto ny andianteny faharoa dia manazava fa manondro an'ireo andrian'ny .vahoakan'i Yaveh ny andianteny faharoa. Ireo fanambarana roa ireo dia azo ampiarahina. DH: "mba hahafahan'i Yaveh mampitoetra Azy anilan'ireo mpanapaky ny vahoakany"
Eto ny "fonenana" dia manondro an'ireo ankizy izay monina ao an-trano. DH: "MAnome zaza ho an'izay vehivavy tsy manana Izy"
1 Rehefa nandao an'i Egypta ny Israely, ny taranak'i Jakoba avy any amin'izany vahoaka vahiny izany, 2 dia tonga fitoerany masina i Joda, ary fanjakany i Israely. 3 Nijery ny ranomasina ka nandositra; niverina ny Jordana. 4 Nifalihavanja toy ny ondrilahy ireo tendrombohitra, ireo havoana nifalihavanja tahaka ireo zanak'ondry. 5 Nahoana no nandositra ianao, ry ranomasina? Ry Jordana, nahoana ianao no niverina? 6 Ry tendrombohitra, nahoana ianareo no nifalihavanja tahaka ny ondrilahy? Ianareo havoana kely, nahoana ianareo no nifalihavanja tahaka ny zanak'ondry? 7 Mangovita, ry tany, manoloana ny Tompo, amin'ny fanatrehan'Andriamanitr'i Jakoba. 8 Mamadika ny vatolampy ho dobon-drano Izy, ny vatolampy mafy ho loharano.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo andalana roa ireo dia mifanindry lalana, ary "Israely" sy "ny taranak'i Jakoba" midika zavatra mitovy ary "Egypta" sy "izany firenena hafa izany" dia manondro vahoaka iray ihany.
Ny teny "taranaka" dia manondro ny ankohonana. DH: "niainga avy any amin'izany vahoaka hafa firenena izany ny ankohonan'i Jakoba"
Ireo mety ho hevitry ny hoe "Joda" sy "Israely" dia 1) manondro ny tany. DH: ""Tonga fitoerana masin'i Yaveh ny tanin'i Joda, ny tanin'Israely tonga fanjakany" na 2) ireo dia sarinteny ho an'ny vahoakan'i Joda sy Israely. DH: "Tonga ho isan'ireo izay niara-nonina tamin'i Yaveh ny vahoakan'i Joda, tonga ho ireo izay nanapahan'i Yaveh ny vahoakan'Israely"
Ny mpanoratra miteny ny ranomasina Mena toy ny hoe olombelona nandositra raha nitarika ny vahoakan'Israely tamin'ny tany maina Yaveh. DH: "Toy ny hoe nahita ny ranomasina dia nandositra"
Ny mpanoratra miteny ny ony Jordana toy ny hoe olombelona izay nihemotra raha nitaraika ny vahoakan'Israely tamin'ny tany maina Yaveh. DH: "toy ny hoe nihemotra ny Jordana"
Ny mpanoratra miteny an'ireo tendrombohitra sy havona toy ny hoe velona. Mety miteny horohorontany izy nagamba raha mamaritra ny tahotr'ireo eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh toy ny hoe nitsambikimbikina tahaka ny ondrilahy sy zanak'ondry izy ireo. DH: "Toy ny hoe nihovitrovitra tahaka ny ondrilahy mitsambikimbikina ireo tendrombohitra ary nihovitrovitra tahaka ny zanak'ondry mitsambikimbikina ireo havona"
Ny andininy 5-6 dia misy fanontaniana fampisainana efatra. Ny valiny andrasana amin'ny fanontaniana tsirairay dia hita ao amin'ny andininy 7: "noho ny fanatrehan'ny Tompo."
Ny mpanoratra miteny an'ireo tendrombohitra sy havona toy ny hoe velona. Mety miteny horohorontany izy nagamba raha mamaritra ny tahotr'ireo eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh toy ny hoe nitsambikimbikina tahaka ny ondrilahy sy zanak'ondry izy ireo. Jereo ny nandikana andianteny mitovy amin'izany ao amin'ny 114:3. DH: "nihovitrovitra tahaka ny ondrilahy mitsambikimbikina ... nihovitrovitra tahaka ny zanak'ondry mitsambikimbikina
Mifanindry lalana ny andianteny roa farany. DH: "Mangovita, eo amin'ny fanatrehan'ilay Andriamanitr'i Jakoba, ry tany"
Ireo mety ho heviny dia 1) Ny mpanoratra miteny amin'ny tany toy ny hoe olona ary baikoiny izany mba hangovitra amin-tahotra eo anatrehan'Andriamanitra na 2) ny teny "tany" dia sarinteny ho an'izay miaina ambonin'ny tany. DH: "Mangovita, ry olon-drehetra ambonin'ny tany"
Ireo andianteny roa ireo dia mifanindry lalana. Ny mpanoratra mamaritra an'Yaveh manao ny rano hikoriana avy amin'ny vatolampy toy ny hoe navadiny ho rano ny vatolampy.
"Namadika ny vatolampy mafy ho loharano Izy"
1 Tsy ho anay, ry Yaveh, tsy ho anay, fa ho an'ny anaranao no hanateram-boninahitra, fa ho an'ny fanekenao mahatoky sy ho an'ny fahamendreham-pitokianao. 2 Nahoana ireo firenena no miteny hoe: "Aiza ny Andriamanitr'izy ireo?" 3 Ny Andriamanitray any an-danitra any, manao izay rehetra tiany atao. 4 Volafotsy sy volamena ireo sampin'ny firenena, asan-tanan'olona. 5 Manam-bava ireo sampy ireo, fa tsy miteny; mana-maso izy ireo, fa tsy mahita; 6 manan-tsofina izy ireo, fa tsy mandre; manan'orona izy ireo, fa tsy manimbolo. 7 Ireo sampy ireo manan-tanana, fa tsy mahatsapa; manan-tongotra izy ireo, fa tsy afaka mandeha; na dia ny miteny amin'ny vavany aza. 8 Ireo izay nanao azy ireo dia mitovy aminy, tahaka izay rehetra mitoky aminy. 9 Ry Israely, matokia an'i Yaveh; Izy no famonjenao sy ampinganao. 10 Ry taranak'i Arona, matokia an'i Yaveh; Izy no famonjenao sy ampinganao. 11 Ianao izay manome voninahitra an'i Yaveh, matokia Azy; Izy no famonjenao sy ampinganao. 12 Yaveh mahatsiaro ka hitahy antsika; hitahy ny fianakavian'Israely Izy; ary hitahy ny fianakavian'i Arona. 13 Hitahy izay manome voninahitra Azy Izy; na tanora na antitra. 14 Aoka Yaveh hampitombo isa anareo hatrany hatrany, ny anao sy ny an'ireo taranakao. 15 Yaveh ilay nanao ny lanitra sy ny tany anie hitahy anao. 16 An'i Yaveh ny lanitra; fa ny tany nomeny ho an'ny olombelona. 17 Ny maty tsy mba midera an'i Yaveh, na izay midina any amin'ny mangingina tsy manao izany; 18 Fa hisaotra an'i Yaveh izahay anio ka ho mandrakizay. Miderà an'i Yaveh.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ny mpanoratra mamerimberina ny andianteny hoe "Tsy ho anay" mba hanamafisana fa tsy mendrika ny handray ny voninahitra izay natao ho an'i Yaveh irery ihany izy ireo. Raha ilaina, dia ny andianteny matoanteny dia azo ampiana. DH: "Aza manati-boninahitra ho anay, Yaveh o"
Ny teny "anay" dia manondro an'ireo vahoakan'Israely.
Eto ny teny "anarana" dia maneho an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "fa ho an'ny tenanao no hanateram-boninahitra"
"noho ny famindramponao"
Ity fanontaniana fampisainana ity dia manamafy fa tsy tokony hisy antony hilazan'ireo firenena izay lazainy mihitsy. Ity fanontaniana ity dia azo avadika ho fanambarana tsotra. DH: "Ny vahoakan'ireo firenena tsy tokony hilaza hoe: 'Aiza izay Andriamanitrareo?"
Ny vahoakan'ireo firenen-kafa mampiasa ity fanontaniana ity mna hanesoana ny vahoakan'Israely ary mba hanehoana fa tsy mahita an'i Yaveh mamonjy azy ireo akory. Azo adika ho fanambarana tsotra ity fanontaniana ity. DH: "Tsy eo akory ny Andriamanitrareo hamonjy anareo"
Eto ny teny "tanana" dia maneho an'izay olona nanao ireo sampy. DH: "zavatra izay namboarin'olona"
Ireo sampy akory tsy tena hoe manam-bava, maso, sofina, na orona. Fa kosa, nanamboatra ireny ho nisy vava, maso, sofina, sy orona ny olona. Ny mpanoratra manamafy fa tsy tena manan'aina ireo sampy ireo. Azonao atao mazava tsara ny andinindininy efa azo. DH: "Nanisy vava an'ireo sampy ireo ny olona"
Tsy hoe tena manan-tanana,tongotra, na vava akory ireo sampy. Fa kosa, nanao ireny mba hisy tanana, tongotra, ary vava ny olona. Ny mpanoratra manamafy fa tsy tena manan'aina ireo sampy ireo. Azona atao mazava tsara izany andinindininy azo izany. DH: "Nanisy tanana an'ireo sampy ny olona"
"fa tsy mahatsapa ireo tanana ireo"
Ireo izay nanamboatra sy nanompo sampy dia tonga tsy misy aina ary tsy manan-kery, tahaka an'ireo sampy ireo ihany. Ny hevitr'izany fanambarana izany manontolo dia azo atao mazava tsara. DH: "Ireo izay manamboatra sy manompo ireny dia tonga tsy misy aina tahaka azy ireny, tahaka ny ataon'ny rehetra mitoky amin'ireny"
Ny teny "Israely" dia maneho ny vahoakan'Israely. DH: "Ry vahoakan'Israely, matokia an'i Yaveh"
Ny mpanoratra miteny an'iYaveh toy ny hoe ampinga satria Izy no miaro ny vahoakany tahaka ny ampinga miaro azy ireo amin'ny ratsy. DH: "Ilay mamonjy anao sy miaro anao"
Eto ny teny "taranaka" dia maneho ny ankohonana. Ity andianteny ity dia manondro an'ireo mpisorona, izay taranak'i Arona. DH: "Ry mpisorona"
"efa nihaino antsika"
Izany dia manondro ny vahoakan'Israely, izay taranak'i Jakoba, izay antsoina ihany koa hoe Israely. DH: "ny vahoakan'Israely"
Izany dia manondro an'ireo mpisorona, izay taranak'i Arona. DH: "ny taranak'i Arona" na "ireo mpisorona"
"na kely na lehibe." Ireo mety ho heviny dia 1) toerana ara-tsosialy na 2) taona. Amin'ireo toe-javatra roa ireo, dia manondro ny olon-drehetra, tsy mijery taona na toerana ara-tsosialy.
Ny mpanoratra miteny ny isan'ireo zanaka izay hananan'ny vahoakan'Israely. DH: "Hampitombo isa hatrany hatrany an'ireo zanakareo anie Yaveh"
"na ny zanakareo na ny taranak'ireo zanakareo." Ny mpanoratra manazava fa amin'ny taranaka ankehitriny fotsiny no miantraika ny fangatahany, fa ho an'ny taranak'izy ireo ihany koa.
Izany akory tsy midika fa tsy an'i Yaveh ny tany, fa kosa efa nomeny ho an'ny olombelona ho toeram-ponenany ny tany.
Ny mpamaritoetra "maty" dia azo adika amin'ny andianteny anarana. DH: "Ny olona efa maty"
Ity andianteny mifanindry lalana ity dia mitovy hevitra amin'ny andianteny teo aloha. Azo ampiana amin'ny matoanteny tamin'ny andianteny teo aloha izany mba hampazava tsara ny hevitra. DH: "na izay midina any amin'ny fahanginana hidera an'i Yaveh"
Ny mpanoratra miteny nby fasana na ny fitoeran'ny maty ho toy ny toeran'ny fahanginana izay tsy ahafahan'iza na iza miteny. Izany dia sarinteny ilazana ny fahafatesana. DH: "na izay mankany amin'ny fiteoran'ny maty"
Ny teny "izahay" dia manondro ny vahoakan'Israely izay mbola velona.
1 Tiako Yaveh satria mandre ny feoko sy ireo talahoko ho amin'ny famindram-po Izy. 2 Satria nihaino ahy Izy, hiantso Azy aho raha mbola velona koa. 3 Namatotra ahy ireo tadin'ny fahafatesana, ary ny fandriky ny Fiainan-tsy hita dia nanatrika ahy, nahatsiaro fangirifiriana sy alahelo aho. 4 Dia niantso ny anaran'i Yaveh aho nanao hoe: "Miangavy ry Yaveh, avoty ny aiko." 5 Yaveh dia be famindram-po ary tsy mitanila; ny Andriamanitsika dia be fangoraham-po. 6 Yaveh dia miaro ny bado; nambaniana aho, ary namonjy ahy Izy. 7 Afaka miverina any amin'ny toerana fitsaharana ny fanahiko, satria Yaveh efa nanao soa tamiko. 8 Fa Ianao nanavotra ny aiko tamin'ny fahafatesana, ny masoko tamin'ny ranomaso, ary ny tongotro tsy ho tafintohina. 9 Hanompo an'i Yaveh any amin'ny tanin'ny velona aho. 10 Nino Azy aho, na rehefa niteny aza aho hoe: "Tena ory aho." 11 Niteny tsy amin-piheverana aho hoe: "Mpandainga ny olona rehetra." 12 Ahoana no ahafahako manefa an'i Yaveh ny hatsaram-panahiny rehetra tamiko? 13 Hatsangako ny kapoaky ny famonjena, ary antsoiko ny anaran'i Yaveh. 14 Ho tanterahiko ireo voadiko nataoko tamin'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakany rehetra. 15 Sarobidy teo imason'i Yaveh ny fahafatesan'ireo olo-masiny. 16 Eny tokoa, ry Yaveh, mpanomponao aho; mpanomponao aho; zanaka lahin'ny mpanompo vavinao; nesorinao ireo fatotro. 17 Hanolotra ny sorom-pisaorana ho Anao aho ary hiantso ny anaran'i Yaveh. 18 Ho tanterahiko ireo voadiko tamin'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakany rehetra, 19 teo an-tokontanin'ny tranon'i Yaveh, teo aminao, ry Jerosalema. Derao Yaveh.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Eto ny teny "feo" dia maneho an'ilay olona miteny. Ny andianteny "ireo talahoko ho amin'ny famindrampo" dia manazava izay lazainy ary azo adika ho andianteny matoanteny. DH: "Izy mandre ahy rehefa mitalaho famonjena aminy aho"
Manohy miteny ny olona izay nanoratra ity salamo ity.
Ny mpanoratra miteny ny fahafatesana toy ny hoe olona afaka mambabo azy sy mamatotra tady azy, Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 18:4. DH: "Nahatsiaro toy ny efa ho faty aho"
Ny mpanoratra miteny ny "Fiainan-tsy hita," ny fitoeran'ny maty, toy ny hoe olona afaka mamandrika azy amin'ny fandrika. DH: "Nahatsiaro toy ny hoe efa vonona ny niditra ny fasana aho"
Eto ny teny "anarana" dia maneho an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "niantso an'i Yaveh"
Eto ny teny "aina" dia maneho an'ilay olona. DH: "vonjeo aho" na "hazony tsy hofaty aho"
Manohy miteny ny olona nanoratra ity tonon-kira ity.
Izany dia manondro an'ireo olona tsy manana traikefa na tsy afaka miahy ny tenany. Ny mpamaritoetra dia azo avadika ho andianteny anarana. DH: "ireo izay kely saina" na A"ireo izay tsy afa-manoatra" (UDB)
Ny mpanoratra miteny ny maha manetry tena ho toy ny eo amin'ny toerana ambany. DH: "tsy afa-nanoatra aho"
Manohy miteny ny olona nanoratra ity salamo ity.
Ny mpanoratra miteny ny fanananafiadanana sy fahatikian-tena toy ny hoe toerana izay ahafahan'ny fanahy mitsahatra. Ny teny "fanahy" dia maneho an'ilay olona. DH: "Afaka mandry am-piadanana indray aho"
Eto ny teny "Ianao" dia manondro an'i Yaveh. Ny teny "aina" dia manondro an'ilay olona. DH: "Ianao no efa nanavotra ahy tamin'ny fahafatesana" na "Ianao no nihazona ahy tamin'ny fahafatesana"
Ny andianteny matoanteny dia azo alaina avy amin'ny andianteny teo aloha mba hampazava tsara ny hevitra. DH: "Ianao nanavotra ny masoko tamin'ny ranomaso" na "Ianao nihazona ahy tamin'ny fitomaniana"
Ny andianteny matoanteny dia azo ampiana amin'ny avy ao amin'ny andianteny teo aloha mba hampazava tsara ny hevitra. Ny tongotra eto dia maneho an'ilay olona. Ny fahatafintohinana eto dia mety maneho ho vonoin'ireo fahavalony. DH: "Ianao namonjy ahy tamin'ny fahatafintohinana" na "Ianao namonjy ahy tsy hofatin'ireo fahavaloko"
Manohy miteny ny olona nanoratra ity salamo ity.
"eto amin'ity izao tontolo izao izay haveloman'ny olona ity." Izany dia mifanohitra amin'ny fitoeran'ny maty.
"Niteny faran'izay malaky aho" na "Niteny tsy nisy fiheverana aho"
Manohy miteny ny olona nanoratra ity tonon-kira ity.
Ny mpanoratra mametraka izany fanontaniana fitarihana izany mba hanombohana ny fomba hamaliany an'izay nataon'i Yaveh ho azy. Azo adika ho fanamabarana tsotra io fanontaniana io. DH: "Izany no fomba hanefako amin'i Yaveh ... tamiko.
Izany dia mety ho fanondroana fanatitra sotroina, sorona izay midika mandraraka divay eo amin'ny alitara, ary hatolotry ny mpanoratra ho set5rin'ny fanavotan'i Yaveh azy. Ny dikany feno amin'ity fanambarana ity dia azo atao mazava tsara. DH: "Hanolotra fanatitra sotroina amin'i Yaveh aho satria nanavotra ahy Izy"
Eto ny teny "anarana" dia maneho an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "hiantso an'i Yaveh aho"
Ny teny "sarobidy" eto dia tsy midika akory fa manome lanja ny fahafatesan'ireo masiny Yaveh, fa kosa lafovidy aminy sy mampalahelo Azy ny fahafatesan'ireo masiny. Ny andianteny "teo imason'i" dia maneho ny toerany manoloana ny zavatra hitany. Ny dikany feno amin'ity fanambarana ity dia azo atao mazava tsara. DH: "Mihevitra ny fahafatesan'ireo masiny ho zavatra lafo vidy Yaveh"
Manohy miteny ny olona nanoratra ity salamo ity.
Izany dia toa fanondroana ny renin'ny mpanoratra ary maneho fa nanompo tamim-pahatokiana an'i Yaveh izy. Ny dika feno amin'ity dia azo atao mazava tsara. DH: "tahaka ny reniko izay mpanompona"
Ny mpanoratra miteny ny maha idiran-doza ny fahafatesana toy ny hoe nofatorana rojo vy tao an-tranomaizina izy. DH: "nanavotra ahy tamin'ny fahafatesana Ianao"
"sorona mba hanehoana ny fisaorako"
Eto ny teny "anarana" dia maneho an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "hiantso an'i Yaveh"
Manohy miteny ny olona nanoratra ity tonon-kira ity.
Adika mitovy amin'ny nandikanao izany ao amin'ny andininy 1116:12 izany.
Ny teny "trano" dia manondro ny tempolin'i Yaveh. DH: "tao an-kianjan'ny tranon'i Yaveh"
Ny mpanoratra miteny an i Jerosalema toy ny hoe olona. DH: "tany Jerosalema"
1 Miderà an’i Yaveh, ianareo ry firenena rehetra; asandrato Izy, ianareo vahoaka rehetra. 2 Satria ny famindram-pony dia lehibe eo anatrehantsika, ary maharitra mandrakizay ny fahamendreham-pitokian'i Yaveh. Derao i Yaveh.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Satria ny famindrampony"
"ny famindrampony amintsika dia lehibe"
"mitoetra mandrakizay"
1 Misaora an'i Yaveh, fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 2 Aoka Israely hiteny hoe: "Maharitra mandrakizay ny famindram-pony." 3 Aoka ny ankohonan'i Arona hilaza hoe: "Ny fanekeny mahatoky dia maharitra mandrakizay," 4 Aoka ireo izay manompo an'i Yaveh hilaza hoe: "Maharitra mandrakizay ny famindram-pony." 5 Niantso an'i Yaveh tao anaty fahoriako aho; namaly ahy Yaveh ary nanafaka ahy. 6 Momba ahy Yaveh: tsy hatahotra aho; hanao inona amiko ny olombelona? 7 Mpamonjy eo anilako Yaveh; hahita fandresena amin'ireo izay mankahala ahy aho. 8 Tsara kokoa ny mialoka eo amin'i Yaveh toy izay mametraka fitokiana amin'olombelona. 9 Tsara kokoa ny mitoetra ao amin'i Yaveh toy izay mametraka fitokiana amin'ny andrian-dahy. 10 Ny firenena rehetra nanodidina ahy; ho tapahiko amin'ny anaran'i Yaveh izy ireo. 11 Nanodidina ahy izy ireo; eny, nanodidina ahy izy ireo; ho tapahiko amin'ny anaran'i Yaveh izy ireo. 12 Nanodidina ahy toy ny tantely izy ireo; nanjavona haingana toy ny afo teo amin'ny tsilo izy ireo; ho tapahiko amin'ny anaran'i Yaveh izy ireo. 13 Nanafika ahy izy ireo mba handavo ahy, saingy nanampy ahy i Yaveh. 14 Yaveh no heriko sy fifaliako, ary Izy ilay tokana mpanavotra ahy. 15 Heno ao amin'ny lain'ny fahamarinana ny hiakam-pifalian'ny fandresena; nandresy ny tanan-kavanan'i Yaveh. 16 Asandratra ny tanan-kavanan'i Yaveh; mandresy ny tanan-kavanan'i Yaveh. 17 Tsy ho faty aho, fa ho velona ary hanambara ireo asan'i Yaveh. 18 Efa nosazian'i Yaveh mafy aho; saingy tsy nanolotra ahy ho faty Izy. 19 Sokafy ho ahy ireo vavahadin'ny fahamarinana; hiditra ao amin'izany aho ary hisaotra an'i Yaveh. 20 Izany no vavahadin'i Yaveh; ny olo-marina no miditra ao. 21 Hisaotra Anao aho, satria namaly ahy Ianao, ary tonga famonjena ho ahy Ianao. 22 Ilay vato izay nolavin'ny mpanao trano dia tonga vato fehizoro. 23 Izany no nataon'i Yaveh; mahagaga eo imasontsika izany. 24 Ity ilay andro izay nataon'i Yaveh; hifaly sy ho ravoravo amin'izany isika. 25 Miangavy ry Yaveh, omeo fandresena izahay! Miangavy ry Yaveh, omeo fahombiazana izahay! 26 Ho tahiana izy izay ho avy amin'ny anaran'i Yaveh; ho tahianay amin'ny tranon'i Yaveh ianao. 27 Yaveh no Andriamanitra, ary efa nanome fahazavana ho anay Izy; namatotra ilay sorona tamin'ireo tady teo amin'ireo tandroky ny alitara. 28 Ianao no Andriamanitro, ary hisaotra Anao aho; Ianao no Andriamanitro; hanandratra Anao aho. 29 Oh, misaora an'i Yaveh; fa tsara Izy; fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Misaora an'i Yaveh noho ireo zava-tsoa ataony"
"Tia antsika amim-pahatokiana mandrakizay Izy"
Ny teny "Israely" dia maneho ny vahoakan'Israely. DH: "Aoka ny vahoakan'Israely hilaza"
Eto ny teny "ankohonana" dia maneho ny fianakaviana sy taranak'olona iray, Ity andianteny ity dia manondro an'ireo mpisorona, izay taranak'i Arona. DH: "Aoka ireo taranak'i Arona hilaza" na "Aoka ireo mpisorona hilaza"
"Tia antsika amim-pahatokina Izy." Jereo izay nanidkanao izany ao amin'ny 118:1.
"ireo izay matahotra an'i Yaveh" na "ireo izay manompo an'i Yaveh"
Ny mpanoratra miteny an'i Yaveh manavotra azy amin'ny fahoriaany toy ny hoe Yaveh naka azy tamin'ny toerana ety hankany amin'ny toerana migodana izay ahafahany mihetsiketsika amin-kalalahana.
Ny mpanoratra mametraka ity fanontaniana fampisainana ity mba hanamafisana fa tsy misy na inona na inona izay azon'ny olonaataoa hanaovan-dratsy aminy satria Yaveh no momba azy. Ity fanontaniana ity dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Tsy afaka hanao na inona na inona hamelezana ahy ny olona"
Ny maha eo anila dia fomba fiteny izay manondro fa mankasitraka sy hanampy ny hafa izany olona izany. DH: "Yaveh mankasitraka ahy ary hanampy ahy"
Izany dia midika fa Yaveh no ilay handresy ireo fahavalon'ny mpanoratra, raha hijery fotsiny kosa ny mpanoratra. Ny hevitr'izany feno dia azo atao mazava tsara. DH: "hijery an'i Yaveh mandresy an'ireo izay mankahala ahy rehetra aho"
Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe fialofana, toerana izay ahafahan'ny olona ho voaaro. DH: "ny mitady fiarovana avy amin'i Yaveh"
Ity andininy ity dia mifanindry lalana amin'ilay mialoha azy. Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe fialofana, toerana izay ahafahan'ny olona ho voaaro. DH: "ny mitady fiarovana avy amin'i Yaveh"
Eto ny teny "firenena" dia maneho ireo tafik'ireo firenena. Ny mpanoratra mampiasa filaza masaka mba hanamafisana ny hamaroan'ny isan'ireo tafika izay nanodidina azy. DH: "Ireo tafiky ny firenena maro"
Eto ny teny "anarana" dia maneho ny herin'i Yaveh. DH: "amin'ny alalan'ny herin'i Yaveh"
Ny mpanoratra miteny ny fandresena ireo tafiky ny fahavalo toy ny hoe nofongoriny tahaka ny olona namongotra ny sampany amin'ny hazo iray. DH: "no nandreseko azy ireny"
Ny mpanoratra mampitaha ireo tafiky ny fahavalo amin'ny andian-tantely. DH: "Nanodidina ahy tahaka ny andian-tantely nanodidina olona izy ireo"
Tahaka ny tsilo maina may avy hatrany, no hitsaharan'ny fanafihan'ireo tafiky ny fahavalo. DH: "fotoana fohy monja no naharetan'ny fanafihan'izy ireo, tahaka ny afo izay mandevona tsilo maty faingana"
Ny mpanoratra miteny ireo tafiky ny fahavalo miezaka mandresy azy toy ny hoe nitady hanosika azy amin'ny tany izy ireo. DH: "mba handresena ahy"
"Yaveh no manome hery sy hafaliana ho ahy"
Eto ny teny "tanana" dia maneho ny herin'i Yaveh. DH: "nandresy tamin'ny alalan'ny heriny lehibe Yaveh"
Eto, ny manandratra tanana dia fihetsiky ny fandresena. DH: "Nanandratra ny tanan-kavanany Yaveh" na "Nanandratra ny tanan-kavanany tamim-pandresena Yaveh"
Ny mpanoratra manambara hevitra mitovy mihiba sy mihabo mba hanamafisana fa ho velona tokoa izy.
"nanafay ahy Yaveh"
Ny mpanoratra miteny ny fahafatesana toy ny hoe olona izay afaka ametrahan'i Yaveh ny mpanoratra eo ambany fahefany. DH: "tsy namela ahy hofaty Izy" na "tsy navelany hovonoin'ireo fahavaloko aho"
"vohay ho ahy ireo vavahady izay idiran'ny olo-marina." Izany dia fanondroana ireo vavahadin'ny tempoly, ary milaza amin'ireo mpiambina vavahady ny mpanoratra. Ny hevitr'izany feno dia azo atao mazava tsara. DH: "Sokafy ho ahy ireo vavahadin'ny tempoly"
"ny vavahady izay mitondra mankany amin'ny fanatrehan'i Yaveh" na "ny vavahadin'i Yaveh"
Eto ny mpanoratra manomboka miteny amin'i Yaveh.
Ny teny "famonjena" dia azo adika ho andianteny anarana. DH: "nanavotra ahy"
Izany dia karazana ohabolana nampiasain'ny mpanoratra mba hamaritana na ny mpanjaka na ny firenen'Israely. Izay noheverin'ny sasany ho tsy misy vidiny, dia nataon'i Yaveh ho ny tena lehibe indrindra.
Ireo mety ho heviny dia 1) "izany dia zava-mahatalanjona aminay raha jerena" na 2) "heverinay ho zava-mahatalanjona izany."
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy hevitra amin'ny ankapobeny ary manamafy ny haben'ny fifaliana. DH: "hifaly tanteraka"
Eto ireo mpisorona dia manomboka miteny amin'ny mpanjaka.
Eto ny teny "anarana" dia maneho ny fahefan'i Yaveh. DH: "ilay tonga ao amin'ny fahefan'i Yaveh"
Eto ireo mpisorona dia miteny amin'ny vahoaka.
Ny teny "trano" dia manondro ny tempol. DH: "ny tempolin'i Yaveh"
Ny mpanoratra miteny an'i Yaveh mitahy ny vahoakany toy ny hoe namirapiratra tamin'izy ireo Yaveh. DH: "nitahy antsika Izy"
"namatotra ny sorona tamin'ny tady"
Eto ny mpanoratra dia manomboka miteny amin'i Yaveh mivantana indray.
Io dia filaza manaitra izay tokony adika amin'izay fanairana fanamafisana anananao amin'ny fiteninao mba hahatonga ny feon'izany ho natoraly.
"misaora an'i Yaveh noho ireo zava-tsoa ataony." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 118:1.
"tia antsika amim-pahatokiana mandrakizay Izy." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 118:1.
1 ALEFA. Sambatra ireo izay tsy misy tsiny ny lalany, izay mandeha amin'ny lalàn'i Yaveh. 2 Sambatra ireo izay mitandrina ny didy masiny, izay mitady Azy amin'ny fony ireo manontolo. 3 Tsy mba manao ratsy izy ireo; fa mandeha amin'ny lalany. 4 Nandidy anay hihazona ny fampianaranao Ianao mba hitandremanay tsara izany. 5 Endrey, te ho tafatoetra mafy amin'ny fitandremana ny didinao aho! 6 Dia tsy ho menatra aho raha misaina ny amin'ireo didinao rehetra. 7 Hanolotra fisaorana ho Anao amin'ny fo mahitsy aho rehefa mianatra ny lalà-marinao. 8 Hitandrina ny didinao aho; aza mamela ahy ho irery. BETA. 9 Ahoana no hitandreman'ny tanora ny lalany mba hadio? Amin'ny fankatoavana ny teninao. 10 Amin'ny foko manontolo no hitadiavako Anao; aza mamela ahy hania hiala amin'ny didinao. 11 Noraketiko ato am-poko ny teninao mba tsy hanotako aminao. 12 Deraina Ianao, ry Yaveh; ampianaro ny didinao aho. 13 Tamin'ny vavako no nitoriako ny lalà-marina rehetra izay nasehonao. 14 Miravoravo amin'ny lalan'ny didim-panekenao mihoatra noho ny amin'ny harena rehetra aho. 15 Hisaintsaina ny fampianaranao aho ka hitandrina ny ireo lalanao. 16 Mankamamy ny didinao aho; tsy hanadino ny teninao. GIMELA. 17 Manehoa halemem-panahy amin'ny mpanomponao mba hahavelomako sy hitandremako ny teninao. 18 Sokafy ny masoko mba hahitako ireo zava-mahatalanjona amin'ny lalànao. 19 Vahiny an-tany aho; aza mampiery ny didinao hiala amiko. 20 Torotoron'ny fitadiavana fatratra ny hahalala ny lalà-marinao mandrakariva ny faniriako. 21 Mananatra ny mpirehareha, izay voaozona, ka maniasia miala amin'ny didinao Ianao. 22 Alao amin'ny fahafam-baraka sy ny henatra aho, fa nanoa ny didim-panekenao aho. 23 Na dia manao teti-dratsy ka manendrikendrika ahy aza ireo mpanapaka, dia misaintsaina ny lalànao ny mpanomponao. 24 Ny didim-panekenao no mamiko indrindra, ary ireo no mpanolo-tsaina ahy. DALETA. 25 Miraikitra amin'ny vovoka ny aiko! Omeo fiainana amin'ny teninao aho. 26 Nambarako taminao ny lalako, dia namaly ahy Ianao; ampianaro ny didinao aho. 27 Ataovy mahatakatra ny lalan'ny fampianaranao aho, mba hahafahako mandinika ny fampianara-mahagaganao. 28 Difotry ny alahelo aho! Atanjaho amin'ny teninao aho. 29 Esory hiala amiko ny lalan'ny fitaka; ampianaro ahy am-pahasoavana ny lalànao. 30 Nofidiako ny lalan'ny fahatokiana; efa nitandrina ny lalà-marinao teo anatrehako lalandava aho. 31 Ireo didim-panekenao no ifikirako; Yaveh o, aza avela hangahiahy aho. 32 Hihazakazaka eo amin'ny lalan'ny didinao aho, fa ianao no manitatra ny foko hanao izay. HE. 33 Ampianaro ny lalan'ny didinao aho, ry Yaveh, dia ho tandremako hatramin'ny farany izany. 34 Omeo fahazavan-tsaina aho, dia hitandrina ny lalànao; izany no ho saintsainiko amin'ny foko manontolo. 35 Tariho amin'ny lalan'ny didinao aho, fa mamiko ny mandeha amin'izany. 36 Tariho any amin'ny didim-panekenao ny foko ary lavitry ny harena tsy marina. 37 Ahodino ny masoko tsy hijery zava-poana; velombelomy amin'ny lalanao indray aho. 38 Tanteraho ho an'ny mpanomponao ny fampanantenanao izay nataonao tamin'ireo izay manaja Anao. 39 Esory lavitra ny faniratsirana atahorako mafy, fa tsara ny fitsarana marinao. 40 Indro, naniry fatratra ny fampianaranao aho; velombelomy amin'ny fahamarinanao aho. VAO. 41 Yaveh ô, omeo ahy ny fitiavanao tsy mety levona— ny famonjenao, araka ny fampanantenanao; 42 dia ho voavaliko ilay iray izay manamavo ahy, fa ny teninao no hitokiako. 43 Aza esorina amin'ny vavako ny teny fahamarinana, fa efa niandry ny lalà-marinao aho. 44 Hitandrina ny lalànao hatrany aho, mandrakizay doria. 45 Andeha am-pilaminana aho, fa mitady ny fampianaranao. 46 Hilaza momba ny didy masinao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho ka tsy mba ho menatra. 47 Mamiko ny didinao, izay lalaiko fatratra. 48 Hanandratra ny tanako ho amin'ny didinao aho, izay tiako; hisaintsaina ny lalànao aho. ZAINA. 49 Tsarovy ny fampanantenanao tamin'ny mpanomponao satria nomenao fanantenana aho. 50 Izao no fiononana ho ahy amin'ny fahoriako: ny fampanantenanao no mbola nahavelona ahy. 51 Nanesoeso ahy ny mpirehareha, kanefa tsy mba niala tamin'ny lalànao aho. 52 Nieritreritra momba ny lalà-marinao fahizay aho, ry Yaveh, ka mampahery ny tenako. 53 Nihazona ahy ny fahatezerana mahamay nohon'ny ratsy fanahy izay mandà ny lalànao. 54 Ireo didinao no hirako tao amin'ny trano izay honenako vetivety foana. 55 Misaintsaina ny anaranao mandritra ny alina aho, ry Yaveh, ka mitandrina ny lalànao. 56 Izany no fataoko satria nitandrina ireo fampianaranao aho. HETA. 57 Yaveh no anjarako; efa ninia ny hitandrina ny teninao aho. 58 Mitady fatratra ny sitrakao amin'ny foko manontolo aho; miantrà ahy, araka ny nampanantenain'ny teninao. 59 Nandinika ny lalako aho ary nampivily ny tongotro ho eo amin'ny didim-panekenao. 60 Maika aho sady tsy mitaredretra amin'ny fitandremana ny didinao. 61 Naningotra ahy ny tadin'ny ratsy fanahy; fa tsy nanadino ny lalànao aho. 62 Amin'ny misasak'alina no hitsanganako hanome fisaorana Anao nohon'ny lalànao marina. 63 Naman'ireo rehetra izay manaja Anao aho, dia ireo rehetra izay mitandrina ny fampianaranao. 64 Heniky ny fanekena mahatokinao ny tany, ry Yaveh; ampianaro ny didinao aho. TETA. 65 Nanao soa tamin'ny mpanomponao Ianao, ry Yaveh, tamin'ny alalan'ny teninao. 66 Ampianaro ahy ny fahaiza-manavaka tsara sy ny fahazavan-tsaina, fa efa nino ny didinao aho. 67 Talohan'ny nampahoriana ahy dia nania aho, fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho. 68 Tsara Ianao, ary Ianao ilay iray izay manao ny tsara; ampianaro ny didinao aho. 69 Naningotra ahy tamin'ny lainga ny mpiavonavona, saingy mitandrina ny fampianaranao amin'ny foko manontolo aho. 70 Mihamafy ny fon'izy ireo, fa mamiko ny lalànao. 71 Soa ho ahy ny nijaliako mba hianarako ny didinao. 72 Ny fampianarana avy amin'ny vavanao dia sarobidy lavitra noho ny volamena sy volafotsy madinika an'arivony ho ahy. JODA. 73 Ny tananao no nanao sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho mba hianarako ny didinao. 74 Ireo izay manaja Anao dia ho faly raha mahita ahy satria amin'ny teninao no ahitako fanantenana. 75 Fantatro, ry Yaveh, fa marina ny lalànao, ary tamin'ny fahatokiana no nampahorianao ahy. 76 Aoka ny fanekena mahatokinao no hampahery ahy, araka ny nampanantenanao tamin'ny mpanomponao. 77 Menehoa fangorahana amiko mba ho velona aho, fa ny lalànao no mamiko. 78 Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nanendrikendrika ahy izy ireo; fa izaho kosa dia hisaintsaina ny fampianaranao. 79 Hitodika amiko anie ireo izay manaja anao; dia ireo izay mahafantatra ny didim-panekenao. 80 Tsy hisy tsiny anie ny foko nohon'ny lalàna mba tsy ho menatra aho. KAFA. 81 Ketraky ny fiandrasana fatratra ny hamonjenao ahy aho! Ao amin'ny teninao no hananako fanantenana. 82 Maniry fatratra ny hahita ny fampanantenanao ny masoko; rahoviana Ianao no hampionona ahy? 83 Fa nanjary tahaka ny sinin-divay hoditra anaty setroka aho; fa tsy mba manadino ny lalànao aho. 84 Ho mandra-pahoviana no hiaretan'ny mpanomponao an'izao; rahoviana Ianao vao hitsara ireo izay manenjika ahy? 85 Nihady lavaka ho ahy ny mpirehareha, sady nanohitra ny lalànao. 86 Azo ianteherana ny didinao rehetra; manenjika ahy amin'ny tsy antony ireo olona ireo; ampio aho. 87 Efa saiky nanapitra ny aiko tety an-tany ireo, saingy tsy mahafoy ny fampianaranao aho. 88 Amin'ny fitiavanao tsy mivadika, velomy aho, mba hankatoavako ny didinao. LAMEDA. 89 Yaveh o, mitoetra mandrakizay ny teninao; miorina mafy any an-danitra ny teninao. 90 Maharitra ho an'ny taranaka rehetra ny fahatokianao; Ianao no nanorina ny tany, ary mitoetra izany. 91 Mitohy mandrak'ankehitriny ny zavatra rehetra, araka izay voalazanao ao amin'ny lalà-marinao, fa mpanomponao ny zavatra rehetra. 92 Raha tsy sitrako ny didinao, dia efa matin'ny fahoriako aho tahaka izay. 93 Tsy ho adinoiko mandrakizay ny fampianaranao, fa tamin'ireo no namelomanao ahy. 94 Anao aho; vonjeo aho, fa mikatsaka ny fampianaranao. 95 Mivonona hamotika ahy ny ratsy fanahy, fa hikatsaka ny hahalala ny didim-panekenao aho. 96 Hitako fa misy fetrany avokoa ny zava-drehetra, fa midadasika, tsy misy fetra ny didinao. MEMA. 97 Endrey ny fitiavako ny lalànao! Izany no saintsainiko tontolo andro. 98 Mahendry ahy mihoatra ireo fahavaloko ny didinao, fa miaraka amiko mandrakariva ny didinao. 99 Manana fahazavan-tsaina mihoatra ireo mpampianatro rehetra aho, fa misaintsaina ny didim-panekenao. 100 Mahatakatra mihoatra ireo izay be taona no izaho aho; izany dia satria nitandrina ireo fampianaranao aho. 101 Niaro ny tongotro hiala amin'ny lalan-dratsy rehetra aho mba hitandremako ny teninao. 102 Tsy nivily lalana niala tamin'ny lalà-marinao aho, fa Ianao no nampianatra ahy. 103 Endrey ny hamamin'ny teninao raha andramako, eny, mamy mihoatra ny tantely amin'ny vavako! 104 Amin'ny fampianaranao no ahazoako fahaiza-manavaka; noho izany dia halako ny lalan-diso rehetra. NONA. 105 Fanilo ho an'ny tongotro ary jiro ho an'ny lalako ny teninao. 106 Efa nianiana aho ary nohamafisiko izany, fa hitandrina ny lalà-marinao aho. 107 Tena ory tokoa aho; velomy aho, ry Yaveh, araka izay nampanantenainao tamin'ny teninao. 108 Yaveh o, mba ekeo re ny fanati-tsitrapo avy amin'ny vavako, ary ampianaro ny lalà-marinao aho. 109 Eo an-tanako lalandava ny aiko, kanefa tsy mba manadino ny lalànao aho. 110 Nanao vela-pandrika ho ahy ny ratsy fanahy, fa tsy naniasia hiala amin'ny fampianaranao aho. 111 Ambarako ho lovako mandrakizay ny didim-panekenao. 112 Tafatoetra amin'ny fanoavana ny didinao mandrakizay hatramin'ny farany indrindra ny foko. SAMEKA. 113 Halako ireo miroroa-saina, fa tiako ny lalànao. 114 Ianao no toerana fiafenako sy ampingako; miandry ny teninao aho. 115 Mialà amiko, ianareo ry mpanao ratsy, mba hitandremako ny didin'Andriamanitro. 116 Tohano amin'ny alalan'ny teninao aho mba ho velona ka tsy ho menatra amin'ny fanantenako. 117 Tohano aho, dia hiadana; hisaintsaina ny lalànao mandrakariva aho. 118 Lavinao ireo rehetra maniasia miala amin'ny didinao, fa mpamitaka sady tsy azo itokiana ireny olona ireny. 119 Esorinao tahaka ny tain-drendrika ny ratsy fanahin'ny tany rehetra; noho izany dia tiako ny didy masinao. 120 Mangovingovitry ny tahotra Anao ny vatako, ary matahotra ny lalà-masinao aho. AINA. 121 Manao izay rariny sy marina aho; aza mahafoy ahy ho any amin'ny mpampahory ahy. 122 Omeo antoka ny fanambinan'ny mpanomponao; aza avela hampahory ahy ny mpirehereha. 123 Miha-reraka ny masoko eo am-piandrasana ny famonjenao sy ny teny marinao. 124 Asehoy ny mpanomponao ny fanekena mahatokinao, ary ampianaro ny didinao aho. 125 Mpanomponao aho; omeo fahazavan-tsaina aho mba hahalalako ny didim-panekenao. 126 Fotoana hiasan'i Yaveh izao, fa nandika ny lalànao ny olona. 127 Tiako mihoatra noho ny volamena ny didinao, mihoatra noho ny volamena tsara indrindra. 128 Noho izany dia manaraka tsara ny fampianaranao rehetra aho, ary halako ny lalam-pitaka rehetra. PE. 129 Mahagaga ny fitsipikao, izany no antony hankatoavako ireo. 130 Ny fampiharihariana ny teninao no manome fahazavana; manome fahazavan-tsaina ho an'izay tsy nampianarina izany. 131 Sokafako ny vavako ka misanasana, fa maniry mafy ny didinao aho. 132 Mitodiha amiko ary mamindrà fo amiko, araka ny ataonao mandrakariva amin'ireo izay tia ny anaranao. 133 Ampizory amin'ny teninao ny tongotro; aza avela hisy fahotana hanapaka ahy. 134 Avoty amin'ny fampahorian'ny olombelona aho mba hitandremako ny fampianaranao. 135 Aoka hamirapiratra amin'ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny didinao. 136 Ranomaso mandriaka no miraradraraka amin'ny masoko satria tsy mitandrina ny lalànao ny olona. TSADE. 137 Marina Ianao, ry Yaveh, ary rariny ny didinao. 138 Nomenao am-pahamarinana sy am-pahatokiana ny didim-panekenao. 139 Nandravarava ahy ny hatezerana satria manadino ny teninao ny mpifanandrina amiko. 140 Efa voazaha-toetra tsara ny teninao, ary tian'ny mpanomponao izany. 141 Tsy dia misy dikany aho sady namavoina, kanefa tsy mba manadino ny fampianaranao aho. 142 Marina mandrakizay ny fitsaranao, ary mendri-pitokiana ny lalànao. 143 Na nahazo ahy aza ny fahoriana sy ny fangirifiriana, dia mbola mamiko hatrany ny didinao. 144 Marina mandrakizay ny didim-panekenao; omeo fahazavan-tsaina aho mba ho velona. KOFA. 145 Nihiakiaka tamin'ny foko manontolo aho hoe: "Valio aho, ry Yaveh, dia hitana ny lalànao. 146 Miantso Anao aho; vonjeo aho, dia hitandrina ny didim-panekenao." 147 Mifoha mialohan'ny mangiran-dratsy aho ary mihiaka famonjena. Ao amin'ny teninao ny fanantenako. 148 Mihiratra mialohan'ny hiovan'ny fiambenan'ny alina ny masoko mba hisaintsainako ny teninao. 149 Mandrenesa ny feoko amin'ny fanekana mahatokinao; velomy aho, ry Yaveh, araka ny nampanantenainao tao amin'ny lalà-marinao. 150 Miha-manakaiky ahy ireo izay manenjika ahy, saingy lavitry ny lalànao ireo. 151 Akaiky Ianao, ry Yaveh, ary azo itokiana ny didinao rehetra. 152 Nianatra avy tamin'ny didim-panekenao izay napetrakao tamin'ny toerany mandrakizay hatry ny elabe aho. RESY. 153 Jereo ny fahoriako ka ampio aho, fa tsy mba manadino ny lalànao aho. 154 Misoloa vava ahy ka avoty aho; tano aho, araka izay nampanantenainao tamin'ny teninao. 155 Lavitra an'ireo ratsy fanahy ny famonjena, fa tsy tia ny didinao ireo. 156 Lehibe ny famindram-ponao, ry Yaveh o; velomy aho, araka ny ataonao mandrakariva. 157 Maro ny mpanenjika ahy sy ny fahavaloko, kanefa tsy niala tamin'ny didim-panekenao aho. 158 Feno rikoriko ny fijeriko an'ireo mpamadika satria tsy mitandrina ny teninao izy ireo. 159 Endrey ny fitiavako ny fampianaranao; velomy aho, ry Yaveh, araka ny nampanantenainao tamin'ny fanekena mahatokinao. 160 Fahamarinana no loharanon'ny teninao; maharitra mandrakizay ny lalà-marinao tsirairay. SINA. 161 Manenjika tsy ahoan-tsy ahoana ireo andriana; dia mangorohoro ny foko, matahotra ny tsy hanoa ny teninao. 162 Miravoravo amin'ny teninao tahaka ny olona iray izay mahazo babo lehibe aho. 163 Halako sady hamavoiko ny fitaka, fa tiako ny lalànao. 164 Impito isan'andro no hiderako Anao nohon'ny lalà-marinao. 165 Fiadanana lehibe no hananan'ireo izay tia ny lalànao; tsy misy mahatafintohina azy ireo. 166 Miandry ny famonjenao aho, ry Yaveh, ary manoa ny didinao. 167 Mitandrina ny didy masinao aho, ary tiako fatratra ireo. 168 Mihazona ny fampianaranao sy ny didy masinao aho, fa fantatrao izay rehetra ataoko. TAV. 169 Mihainoa ny antso vonjiko, ry Yaveh; omeo fahazavan-tsaina ao amin'ny teninao aho. 170 Ho tonga eo aminao anie ny fangatahako; ampio aho, araka ny efa nampanantenainao tamin'ny teninao. 171 Hiboiboika fiderana anie ny molotro, fa ampianarinao ahy ny didinao. 172 Aoka ny lelako hihira ny amin'ny teninao, fa marina avokoa ny didinao rehetra. 173 Hanampy ahy anie ny tananao, fa nifidy ny fampianaranao aho. 174 Maniry fatratra ny fanavotanao aho, ry Yaveh, ary ny lalànao no mamiko. 175 Ho velona anie aho ka hidera anao, ary hanampy ahy anie ny lalà-marinao. 176 Efa nirenireny tahaka ny ondry very aho; tadiavo ny mpanomponao, fa tsy mba nanadino ny didinao aho.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ity no anaran'ny litera voalohany amin'ny alfabeta Hebreo.
"Endrey ny hatsarana ho an'izay"
Ny fomba fitondran-tenan'olona iray dia lazaina toy ny hoe "lalana." DH: "izay tsy misy afaka hanome tsiny amin'izay zavatra diso"
Ny fomba hiainana na fitondran-tenan'olona iray dia lazaina toy ny hoe mamindra. DH: "izay miaina araka ny lalàn'i Yaveh" na "izay mitandrina ny lalàn'i Yaveh." Ity andianteny ity dia manazava tsara ny hevitry ny "izay tsy misy tsiny ny lalany"
Ny "mitady" an'Andriamanitra midika fa te hahalala Azy.
Izany dia fomba fiteny midika fa mafy dia mafy na amin-kitsipo. DH: "amin'ny tenany rehetra" na "amin'izay rehetra eny aminy" na "amin-kitsipo"
Betsaka amin'ity salamo ity no miteny amin'Andriamanitra, ary ny teny "Ianao" sy "anao" dia saika manondro Azy avokoa.
Tsy mba tsy nankatò an'i Yaveh izy ireo.
"mandeha amin'ny lalan'i Yaveh izy ireo." Eto ny fitondran-tenan'izy ireo dia lazaina toy ny hoe "mandeha," ary ny fomba tian'Andriamanitra ho fihetsik'izy ireo dia lazaina toy ny hoe "lalana." DH: "mitondra tena araka izay tian'i Yaveh izy ireo" (UDB)
"mankatò ny zava-drehetra izay efa nambaranao fa tokony ataonay"
Izany dia ny mahalala tsara sy mahatakatra ireo didy sy mankatò an'ireo didy.
Ny mpanoratra miteny ny maha tafatoetra amin'ny didin'Andriamanitra toy ny hoe tsy misy mahetsika azy mivantana.
"amin'ny fankatoavana ireo didinao"
Ny mpanoratra akory tsy te ho menatra rehefa eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra.
"izay rehetra nandidianao anay"
"fo tsotra." Ny olona izay mahitsy fo dia hanao izay marina. Ny fo dia manondro ny ivon'ny fihetseham-pon'olona. Jereo izay nandikanao ny "fahitsiana" ao amin'ny 25:20.
"didy" dia manondro an'ireo lalàna na didin'Andriamanitra.
Ity no anaran'ny litera faharoa amin'ny alfabeta Hebreo. Ao amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana amin'ny andininy 9-16 dia manomboka amin'ity litera ity.
Ity fanontaniana ity dia manolotra tombambidy vaovao amin'ny tenin'Andriamanitra. Ity fanontaninana fampiasainana ity dia azo avadika ho fanambarana tsotra. DH: "Toy izany no hitandreman'ny tanora ny lalany mba hadio"
Ny mpanoratra mampitaha ny fiainana araka ny lalàn'Andriamanitra amin'ny lalankely nodiovina tamin'ireo tsentsina.
Izany dia fomba fiteny. Ny fo dia manondro izay fihetseham-po, fahatsapana, faniriana, sy sitrapo rehetra. DH: "amin'ny momba ahy rehetra" na "amin'izay rehetra ato anatiko" na "amin-kitsipo"
Eto ny tsy fankatoavana ireoe didin'Andriamanitra dia faritana ho mania amin'ny lalana. DH: "Aza mamela ahy tsy hankatò ireo didinao.
"Napetrako ato am-poko ny teninao." Izany dia sarinteny midika "notsarovako ny tenina." Ny fo dia kisarisary amin'ny fitoeran-javatra afaka mihazona izay sainin'ny olona.
"mihoatra ny harena rehetra"
Ireo dia fisainana mifanindry lalana izay mitovy hevitra, ka averimberina ho fanamafisana.
"misaina tsara momba izay nampianarina anay"
Ity fomba fiteny ity dia manondro ny fisainana lalina momba izay ifampidinihana. DH: "hihevitra tsara"
finaritra
Ity no anaran'ny litera fahatelo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 17 - 24 dia manomboka amin'ity litera ity.
Ny mpanoratra niantso ny tenany "ny mpanomponao" mba hampisehoana fanetren-tena.
Ny mpanoratra miteny ny fahazoana fahazavan-tsaina, fahalalana ary fahendrena ho toy ny afaka mahita. DH: "Ampio aho hahatakatra"
Ny mpanoratra miteny ny fahalalinan-tsaina amin'ny lalàna toy ny zavatra mahatalanjona.
"amin'ny fitsipikao" na " amin'ny didinao"
Ireo mety ho heviny dia 1) Ny mpanoratra miteny ny fiainany fohy ambonin'ny tany toy ny hoe vahiny izay tsy hijanona ela eo amin'ny tany izy. DH: "Tahaka ny vahiny monina anaty fotoana fohy aho amin'ny tany" na 2) ny tsy fahalalan'ny mpanoratra ny lalàn'Andriamanitra toy ny hoe vahiny tsy nahafantatra ireo lalàn'ny tany izy. DH: "Tsy mahafantatra toy ny vahiny amin'ny tany aho"
Ny mpanoratra miteny ny faniriany mafy dia mafy toy ny hoe fanaintainana ireny. DH: "te hahalala mafy ny anatiko" na "marary ny fanahiko satria te hahalala mafy aho"
Ireo mety ho heviny dia 1) Andriamanitra hanozona azy ireo na 2) mendrika ny famaizan'Andriamanitra izy ireo. DH: "izay mendrika ny famaizanao"
Ny mpanoratra miteny ny tsy fankatoavana ireo didin'Andriamanitra toy ny hoe lalana izay azo hialàna ireny. DH: "izay niala tamin'ny lalan'ny didinao" na "izay tsy mankatò ireo didinao"
"tandremo aho" na "vonjeo aho"
"sy fahatsapana henatra sy adala"
"Na dia mikasa hamely ahy sy milaza zava-dratsy momba ahy azy ireo mpanapaka"
"Mahatonga ahy hifaly loatra ny didim-panekenao"
Ireo didin'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe olona. DH: "ary tahaka ny mpanolo-tsaina hendry izy ireo ho ahy" na "ary manome tolo-tsaina hendry ho ahy izy ireo"
Ity no anaran'ny litera fahefatra amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 25 - 32 dia manomboka amin'ity litera ity.
Ity dia fomba fiteny. Ireo mety ho heviny dia 1)nihevitra izy fa ho faty tsy ho ela, na 2) nandry tamin'ny vovoka izy satria nalahelo loatra, na 3) hitany fa naniry zava-poanan'ny tany izy.
Ity dia fomba fiteny. Eto ny "fiainana" dia manondro tanjona sy heviny, fa tsy fiainana ara-batana akory.
Ny "tenin'Andriamanitra" dia maneho izay nolazainy. Eto izany dia manondro izay efa nampanantenainy. DH: "araka ny fampanantenanao"
Izay ataon'ny olona na ny fomba fitondran-tenany dia lazaina toy ny hoe arabe na lalana. DH: "izay nataoko"
"fampianarana mahatalanjona"
"satria ory loatra aho"
"Herezo aho." Izany dia mety ho manondro tanjaka ara-batana na tanjaka ara-panahy.
Ny teny "lalana" eto dia manondro fomba fitondran-tena. DH: "Hazony ah tsy hanaraka ny lalam-pitaka" na "Sorohy amin'ny maha mpamitaka aho"
Ireo mety ho heviny dia 1) "lainga" na 2) "finoana lainga" na "fanarahana lainga."
Ny fomba fitondran-tena na fihetsika dia lazaina toy ny hoe arabe na lalana. DH: "ho mahatoky aminao"
Ny fihazonana mafy amin'ireo dia manondro ny fanoloran-tena hankatò izany. DH: "ireo didim-panekenao no ihazonako" na "manolo-tena amin'ny fankatoavana ireo didim-panekenao aho"
Izany dia manondro ny lalàn'i Mosesy.
Ny mpanoratra miteny ny maha mifantoka na manolo-tena hankatò ireo didin'Andriamanitra toy ny hoe mihazakazaka amin'ny lalana iray. DH: "Hanolo-tena hankatò ny didinao aho"
Ity dia fomba fiteny. Ireo mety ho heviny dia 1) "Ianao no manampy ahy hahazo fahazavantsaina lehibe kokoa amin'ny didinao" na 2) "Ianao manome ahy faniriana lehibe kokoa hankatò ny didinao"
Ity no anaran'ny litera fahadimy amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 33-40 dia manomboka amin'ity litera ity.
Ity no fomba hafa hamaritana ny Lalàn'i Mosesy.
Ireo mety ho heviny dia 1) "tanteraka" na 2) "hatramin'ny faram-pofon'aiko" na 3) "hatramin'ny fetran'ny fotoana."
"hankatò ny lalànao"
"hitandrina ny lalànao tokoa aho" na "manolo-tena tanteraka amin'ny fanaovana izay lazain'izany aho"
Ity dia fomba fiteny. DH: "amin'ny momba ahy rehetra" na "amin'izay rehetra ato anatiko" na "amin-kitsipo"
"Tariho aho araka ny didinao" na "Ampianaro aho hankatò ny didinao." Ny didin'Andriamanitra dia ampitahaina amin'ny lalana izay diavin'olona iray amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra.
Ity dia fomba fiteny. Ny "fo" eto dia manondro ny sitrapo, faniriana, sy safidy izay mitarika ny fiainan'olona iray. DH: "Ataovy tia ny didim-panekenao aho"
"mba hankatò ny didim-panekenao." Izany dia manondro ny fankatoavana ny Lalàn'i Mosesy.
"ny faniriana harena." Izany dia manondro harena azo tamin'ny fomba tsy ara-dalàna na tsy rariny tamin'ny hafa.
Ity dia sarinteny izay manondro olona maniry zavatra izay tsy misy tombambidy maharitra mandrakizay.
"ataovy afa-miaina araka izay irianao aho"
"atanjaho ny aiko" na "omeo hery aho"
"Ataovy amin'ny mpanomponao izay nampanantenainao hatao amin'ireo izay manaja Anao"
Ny mpanoratra dia nanondro ny tenany ho mpanompon'Andriamanitra mpba hampisehoana fanetre-tena. DH: "ahy, izay mpanomponao"
"mampatahotra mafy ahy"
Andriamanitra mitsara amim-pahamarinana ary tsara ny fanapahekeviny. DH: "marina sy tsara ny fitsaranao"
Ity dia fomba fiteny. Eto ny "indro" dia manondr fa mahalala ny toe-javatra. Ny ifantohana dia amin'ny fahalalana sy fahazavan-tsaina, fatsy hoe mitandrina fotsiny ihany.
Ireo mety ho heviny dia 1) "te hahalala fatratra ny fampianaranao aho" na 2) "te hankatò mafy izay ampianarinao anay aho."
Ny teny "fahamarinana" dia manondro ny maha marina. DH: "velombelomy aho satria marina Ianao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "hazony aho ho velona" na 2) "Atanjaho aho."
Ity no anaran'ny litera fahenina amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 41-48 dia manomboka amin'ity litera ity.
Ity dia fangatahana. DH: "miangavy re, omeo ahy ny fitiavanao tsy mety levona"
Azonao azavaina tsara ny andinindininy efa azo. DH: "omeo ahy ny famonjenao" na "avoty aho"
"hanana valiny"
"ny vavako" dia manondro fitenenana momba ireo tenin'Andriamanitra. DH: "Aza sorohana mihitsy aho amin'ny fitenenana ny fahamarinanao"
Ny "fiandrasana" dia misy endrika fitokisana, fananana fahatokian-tena fa Andriamanitra hanao araka ny didiny.
"Hankatò aho"
Ny mandeha am-pilaminana dia miaina fiainana am-pilaminana. DH: "Hiaina am-pilaminana ao amin'Andriamanitra aho"
Ny "mitady" dia mahazo fahazavan-tsaina amin'ny fampianaran'Andriamanitra toy ny hoe azon'olona jerena ireo.
"didy lehibe eo anatrehan'ireo mpanjaka" na "fitsipika ho an'ireo mpanjaka"
Ireo mety ho heviny dia 1) "mahita fahafinaretana aho amin'ny fianarana ireo didinao" na 2) "fanaritra aho satria manam-pahafahana mianatra ireo didinao"
Izany dia fomba fiteny izay midika manome voninahitra, manome lanja na manaja ire didin'Andriamanitra.
Ity no anaran'ny litera fahafito amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 49-56 dia manomboka amin'ity litera ity.
Ity fehezanteny ity dia azo averina alahatra. DH: "Ny anton'ny nampionona ahy dia ny fampanantenanao no havelomako ao anatin'ny fahoriako"
Ity dia mpamaritoetra anarana izay azo ambara ho mpamaritoetra. DH: "ny olona mpirehareha"
Ny maneso olona na zavatra dia ny fijery izany ambany amin'ny, miahiahy, na tsy manaja
Izany dia fanondroana ny fotoana nanomezana ny didy aman-dalàna an'i Mosesy taona maro lasa.
Ity dia fomba fiteny. Ny hatezerana dia aseho toy ny hoe olona izay afaka mihazona mafy olona iray hafa. DH: "tonga tezitra mafy aho"
"Nampiasaiko ho ventin-kirako ny didinao" na "namoron-kira avy amin'ny didinao aho"
Eto ny teny "narana" dia maneho an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "Misaintsaina Anao aho, ry Yaveh"
Izany dia fomba fiteny midika fa mankatò ny lalànao. DH: "mankatò ny lalànao"
"fanaoko"
Izany dia fomba fiteny midika hoe manaraka na mankatò ireo fitsipika. DH: "nankatò ny fampianaranao aho"
Ity no anaran'ny litera fahavalo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 57-64 dia manomboka amin'ity litera ity.
Izany dia midika fa Yaveh no ilainy. Tahaka ireo Levita izay tsy mba nahazo tany midadasika fa ny Tompo no anjaran'izy ireo dia toy izany koa ny mpanoratra manambara an'i Yaveh ho mpanatanteraka ireo asany.
Eto ny "tongotra" dia maneho ny tenan'ilay olona manontolo. Ny mibebaka sy mifidy ny hankatò ny lalàn'Andriamanitra dia tahaka ny mampivily tongotra amin'ny lalana mba hankany amin'ny lalana hafa. DH: "nanova ny lalako"
Ny mpanoratra maneho hevitra mihiba sy mihabo mitovy mba hanamafisana ny fahamehana amin'izay hankatoavany ny didin'i Yaveh.
Amin'ity sarinteny ity, ny olona ratsy fanahy na olon-dratsy dia miezaka hampanota ny mpanoratra tahaka mpihaza mitady hisambotra biby amin'ny fandrika. DH: "Nitady hisambotra ahy ireo fahavaloko"
"sakaizan'izay rehetra manaja Anao aho"
Ity no anaran'ny litera fahasivy amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 65-72 dia manomboka amin'ity litera ity.
Ny mpanoratra manondro ny tenany ho "ny mpanomponao." DH: "tamiko, ilay mpanomponao" na "tamiko"
Ity dia fomba fiteny. "ny teninao" dia manondro an'ireo fampanantenana nataon'i Yaveh ho an'ny mpanoratra. DH: "araka izay nampanantenainao"
Ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe nandeha tamin'ny lalan-diso ilay olona. DH: "tsy nankatò Anao aho"
Eto ny "teny" dia maneho didy. DH: "mankatò ny didinao aho"
"olona mpiavonavona"
Ny olona milaza lainga momba ny olona iray dia lazaina toy ny hoe izy ireo nandoto ilay olona tamin'ny fanapariahana lainga aminy.
Eto ny "fo" dia maneho ny sitrapon'olona iray. DH: "amin'ny fanoloran-tena tanteraka" na "tanteraka"
Eto ny "fo" dia manambara ny sitrpon'ilay olona. Ny olona mafiloha dia lazaina toy ny hoe mafy tahaka ny vatolampy ny fo sy ny sitrapon'izy ireo. DH: "Mafiloha izy ireo"
Eto ny "vava" dia maneho izay lazain'Andriamanitra. DH: "Ny fampianarana nolazainao dia" na "Ny fampianaranao dia"
Azo atao mivelatra koko izany. DH: "noho ny vola be mikararana" na "noho ny harena be"
Ity no anaran'ny litera fahafolo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 73-80 dia manomboka amin'ity litera ity.
Andriamanitra nahary olona iray dia lazaina toy ny hoe Andriamanitra nampiasa ny tanany hamolavolana ilay olona amin'ny fomba mety hamolavolan'ny olona ny tanimanga ho zavatra.
Eto ny "tanana" dia maneho ny fahefana na fihetsik'Andriamanitra.
Eto ny "teny" dia maneho izay lazain'Andriamanitra. DH: "satria aho matoky izay lazainao" na "mino amim-pahatokiana izay lazainao aho"
"nanafay ahy Ianao satria Ianao mahatoky." Andriamanitra mampanantena fa hanome valisoa ny marina ary manafay ny mpanao ny tsy marina, ka dia mahatoky Izy fa hanao izay lazaina fa hataony.
Ny mpanoratra manondro ny tenany ho "ny mpanomponao." DH: "tamiko, ilay mpanomponao" na "tamiko"
"olona mpirehareha"na "ireo izay mirehareha"
Ny olona izay miverina amin'ny miamanana amin'ny mpanoratra dia lazaina toy hoe mitodika mivantana aminy. DH: "tongava aty amiko" na "mifandraisa amiko"
Ireo mety ho heviny dia 1) Ity mamaritra an'ireo izay manome voninahitra an'Andriamanitra na 2) izany dia manondro ny antony ho an'ireo izay manome voninahitra an'Andriamanitra mba hiverina any amin'ny mpanoratra. DH: "mba hianaran'izy ireo izay andidianao" (UDB)
Eto ny "fo" dia maneho ny fisainan'olona iray sy ny fihetseham-pony. DH: "Tsy hisy tsiny anie aho"
Ity ni anaran'ny litera faha iraka ambin'ny folo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 81-88 dia manomboka amin'ity litera ity.
Eto ny "teny" dia maneho izay lazain'Andriamanitra. DH: "Matoky tanteraka izay lazainao aho"
Eto ny "maso" dia maneho an'ilay olona manontolo. DH: "Maniry fatratra Anao aho mba hanatanteraka izay nampanantenainao hatao"
Ny sinin-divay dia rovitra rehefa ahantona amin'ny toerana manetroka amin'ny fotoana maharitra. Ny mpanoratra mampitaha ny tenany amin'ny sinin-divay izay efa rovitry ny setroka mba hanamafisana fa mahatsiaro tsy misy antony izy.
Ny mpanoratra mampiasa fanontaniana mba hangatahana amin'Andriamanitra ny hamaizana ireo izay manenjika azy. Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Miangavy, aza ampiandrasina ela intsony. Faizo ireo izay manenjika ahy."
Ny mpanoratra manondro ny tenany ho "ny mpnomponao." DH: "hiaretako, ilay mpanomponao" na "hiaretako"
Ny mpirehareha mitady hisambotra ny mpanoratra na hampanao hadisoana azy. Izany dia lazaina toy ny hoe izy ireo tahaka ny mpihaza mihady lavaka hamandrihana ny mpanoratra tahaka ny biby.
"olona mpirehareha" na "ireo izay mirehareha"
Izany no fomba mihaja ilazana olona mamono olon-kafa. DH: "Efa saika nahafaty ahy izy ireo"
"Araka ny fitiavanao marina." Ny andianteny "fitiavana marina" na "fahatokiana" dia azo ambara ho matoanteny. DH: "satria tia ahy amim-pahatokiana Ianao"
Ity no anaran'ny litera faharoa ambin'ny folo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 89-96 dia manomboka amin'ity litera ity.
Eto ny "teny" dia maneho izay rehetra nampitain'Andriamanitra tamin'ny vahoaka. DH: "izay voalazanao dia ho marina mandrakizay"
Eto ny "teny" dia maneho izay rehetra nampitain'Andriamanitra tamin'ny vahoaka. Izany dia miteny momba izay nolazain'Andriamanitra toy ny hoe zavatra izay mafy orina sy mahitsy tsara. DH: "izay nolazainao dia ho marina any an-danitra mandrakizay"
"ho an'ny taranaka hoavy rehetra." Izany dia fomba fiteny izay midika fa "mandrakizay."
Ny zava-boahary rehetra dia lazaina toy ny hoe olona afaka manompo an'Andriamanitra. DH: "manompo Anao ny zava-drehetra" na "mankatò ny didinao ny zava-drehetra"
Izany dia midika fa mankatò ny fitsipik'Andriamanitra ny mpanoratra. Ny hevitra feno amin'io fanambarana io dia azo atao mazava tsara. DH: "fa namelona ahy Ianao satria aho mankatò ireo"
Ny miezaka mafy ny hankatò ireo fampianaran'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe zavatra izay tsy maintsy tadiavin'olona iray ny fampianarana.
"hiezaka mafy aho mba hahatakatra"
"manam-pahataperany avokoa ny zava-drehetra"
Ny didin'Andriamanitra izay marina mandrakariva sy tanteraka dia lazaina toy ny hoe zavatra izay tena be velarana ka tsy mety tapitra. DH: "fa tsy misy fetra ny didinao" na "fa mandrakizay ny didinao"
Ity no anaran'ny litera fahatelo ambin'ny folo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 97-104 dia manomboka amin'ity litera ity.
Ny mihevitra ny amin'ireo didin'Andriamanitra hatrany dia lazaina toy ny hoe ny didy dia zavatra azon'ny mpanoratra hazonina eny aminy mandrakariva.
Ny fialana amin'izay ratsy dia lazaina toy ny hoe miala amin'ny fandehanana amin'ny lalana ratsy. DH: "Niala tamin'ny fanaovan-dratsy aho"
Eto ny "tongotra" dia maneho an'ilay olona manontolo. DH: "Niaro ny tenako"
"mankatò ny teninao"
Eto ny "teny" dia maneho an'ireo didin'Andriamanitra.
Ny fanohizana ny fankatoavana ireo lalà-marin'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe tsy nivily tamin'ny lalà-marina ny mpanoratra. DH: "mankatò lalandava ny lalà-marinao aho"
Ny mpanoratra mifaly amin'izay lazain'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe ny tenin'Andriamanitra no sakafo izay misy tsiro mamy amin'ny mpanoratra. DH: "tsara sy mahafinaritra ny teninao!"
Ny anarana "fahaiza-manavaka" dia azo avadika ho matoanteny. DH: "ianarako manavaka izay tsara"
Ny fitondran-tena ratsy dia lazaina toy ny hoe lalan-diso.
Ity no anaran'ny litera fahefatra ambin'ny folo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 105-112 dia manomboka amin'ity litera ity.
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy hevitra. Ireo dia miteny momba an'Andriamanitra manitsy olona ny fomba fiainana toy ny hoe nandeha tamin'ny lalankely ilay olona ka ny tenin'Andriamanitra no fanilo izay manampy ilay olona hahita izay aleha. DH: "Ny teninao miteny amiko ny tokony ho fomba fiainako"
Eto ny "teny" dia maneho an'izay rehetra nampitain'Andriamanitra ho an'ny vahoaka.
Eto ny "teny" dia maneho izay ampitain'Andriamanitra ho an'ny vahoaka. DH: "araka izay nampanantenainao hatao" (UDB)
Ny mpanoratra miteny ny fivavany toy ny hoe sorona izay atolony ho an'Andriamanitra. DH: "ny fivavako ho sorona ho Anao"
Eto ny "vava" dia maneho an'ilay olona manontolo.
Io dia fomba fiteny izay midika fa idiran-doza lalandava ny fiainan'ny mpanoratra. DH: "Matetika ireo fahavaloko no mitady hamono ahy" (UDB)
Ny olona ratsy fanahy mitady hisambotra sy hamono ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe mpihaza mamelatra fandrika hisamborana biby.
"olona ratsy fanahy"
Ny fankatoavana ireo fampianaran'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe tsy naniasia tamin'ny fampianaran'Andriamanitra ny mpanoratra. DH: "mankatò ny fampianaranao aho"
Ny mpanoratra manome lanja sy mankatò mandrakariva ny didin'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe tany na fananana izay holovain'ny mpanoratra ny didy. DH: "ho ahy mandrakizay ny lalànao" na "Tahaka ny lova ho ahy mandrakizay ny didim-panekenao"
Eto ny "fo" dia maneho an'ilay olona manontolo. DH: "mahafaly ahy izany" na "mankamamy amin'izany aho"
Eto ny "fo" dia maneho ny sitrapon'ny mpanoratra. Ny andianteny "tafatoetra ny fo" dia fomba fiteny. Izany dia fomba ilazana fa tapa-kevitra ny mpanoratra. DH: "tapa-kevitra ny hankatò aho"
Ireo mety ho heviny dia 1) "izy rehetra ireo" (UDB) 2) "hatramin'ny fiafaran'ny fiainako" na 3) "hatramin'ny fiafaran'ny fotoana"
Ity no anaran'ny litera fahadimy ambin'ny folo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 113-120 dia manomboka amin'ity litera ity.
Ny olona izay tsy mahitsy fo na tsy tena nanolo-tena hankatò an'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe manana saina roa. DH: "izay tsy manolo-tena tanteraka amin'ny fankatoavana Anao" na "izay tsy tso-po"
Andriamanitra miaro ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe toerana izay azon'ny mpanoratra aleha sy iafenana.
Andriamanitra miaro ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe ampingan'ny mpanoratra.
Eto ny "miandry" dia midika hoe miandry manantena. Izany dia misy hevitry ny fanantenana sy fahatokiana. DH: "Matoky ny teninao"
Eto ny "teny" dia maneho izay ampitain'Andriamanitra amin'ny vahoaka.
Eto ny "teny" dia maneho izay ampitain'Andriamanitra amin'ny vahoaka. DH: "Omeo hery aho araka izay nolazainao" na "Avelao aho hahery araka izay nampanantenainao"
Eto ny "fanantenako" dia manehony fahatokian'ny mpanoratra an'Andriamanitra sy ny fampanantenany. Azo atao ho fehezanteny feno izany. DH: "Aza mandiso fanantenana ahy" (UDB) na "Aza mampamenatra ahy amin'ny tsy fanatanterahana izay nampanantenainao hatao"
"Ampio aho" na "Atanjaho aho"
Ireo mety ho heviny dia 1) "mandainga ireo olona ireo ka dia tsy misy mahatoky azy ireo" na 2) "manao fikasana fitaka ireo olona ireo saingy tsy hahomby"
Ny tain-drendrika dia fako na sisa tsy ilaina amin'ny dingana fanefena volamena na karazam-by hafa. Yaveh manala ny olona ratsy fanahy toy ny hoe fako izy ireo.
"olona ratsy fanahy"
"tahaka ny fako" na "tahaka ny loto"
Eto ny "vatana" dia maneho an'ilay olona manontolo. DH: "Mangovingovitra aho satria matahotra Anao"
Izany dia midika fa matahotra ny didy marin'Andriamanitra ny mpanoratra satria fantany fa Andriamanitra manafay ireo izay tsy mankatò ny didiny. Azonao atao mazava tsara ny hevitra feno amin'izany fanambarana izany.
Ity no anaran'ny litera fahenina ambin'ny folo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 121-128 dia manomboka amin'ity litera ity.
"aza avela hampahory ahy ny olona"
Ny mpanoratra miteny ny momba azy ho"ny mpanomponao." DH: "Omeo antoka ny fanambinako" na "Ampio izaho, mpanomponao, ka arovy"
"ireo izay mirehareha" na "olona mpirehareha"
Eto ny "maso" dia maneho an'ilay olona manontolo. DH: "Miha-reraka aho satria miandry hatrany"
Azo ambara ho matoanteny ny anarana "famonjena. DH: "Anao mba hanavotra ahy araka izay nampanantenainao hatao"
Eto ny "teny" dia maneho izay ampitain'Andriamanitra amin'ny vahoaka. DH: "ny fampanantenanao marina"
Ny mpanoratra miteny momba ny tenany ho "ny mpanomponao." DH: "Asehoy ahy" na "Asehoy ahy, ilay mpanomponao"
Ny anarana "fahazavan-tsaina" dia azo ambara ho matoanteny. DH: "mamela ahy hahatakatra izay tianao ho fantatro" (UDB)
"Fotoana izao hiasanao, ry Yaveh"
Ity dia fomba fiteny. Eto ny "nandika" dia midika "tsy nakatò." Izany no fomba ilazana fa tsy nankatò ny lalàn'Andriamanitra ny vahoaka.
Ny olona izay mankatò an-tsakany sy an-davany ireo fampianaran'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe ny fampianaran'Andriamanitra no nitarika olona ka dia manaradia izay olona izany. DH: "mankatò an-tsakany sy an-davany ireo fampianaranao aho"
Ny olona manao izay ratsy dia lazaina toy ny hoe mandeha amin'ny lalan-diso. DH: "ny fomba ratsy rehetra hiainan'ny olona"
Ity no anaran'ny litera fahafito ambin'ny folo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 129-136 dia manomboka amin'ity litera ity.
Ny mpanoratra miteny ny tenin'i Yaveh toy ny hoe lamba navalombalona ireny teny ireny, ary ny olona izay manazava ny tenin'i Yaveh toy ny hoe mamelatra izany lamba izany. DH: "Ny fanazavana ny teninao no manome hazavana" na "Rehefa misy manazava ny teninao, dia manome hazavana izany"
Ny mpanoratra miteny ny tenin'i Yaveh manome fahendrena ho an'olona toy ny hoe ny teniny no mitaratra hazavana amin'izy ireo. DH: "Ny fanazavana ny teninao dia manome fahendrena ny olona"
Ny mpanoratra miteny ny faniriany ho amin'ny didin'i Yaveh toy ny hoe alika mangetaheta rano. DH: "Maniry fatratra ny didinao aho"
Ny mitodika mankany amin'olona iray dia midika hoe mihevitra izany olona izany. DH: "Mihevera ahy"
Eto ny teny "anarana" dia maneho an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "tia Anao"
Eto ny teny "dia" dia maneho ny mpanoratra ho mamindra. Izy miteny ny lalam-piainany, na ny fitondran-tenany, toy ny hoe nandeha tamina lalana iray izy. DH: "Ahitsio aho" na "Ampianaro ahy ny fomba fiaina"
Ny mpanoratra miteny ny fahotana toy ny hoe olona izay manana fahefana aminy. Ireo mety ho heviny dia 1) "aza avela hizatra hanao ratsy aho" na 2) "aza avela hanapaka amiko ny lehilahy mpanao heloka"
Ny teny "fampahoriana" dia azo adika ho matoanteny. DH: "Avoty amin'ny olona izay mampahory ny hafa aho"
Ny mpanoratra miteny an'i Yaveh miasa amim-pankasitrahana aminy toy ny hoe namirapiratra taminy ny tavan'i Yaveh. DH: "Miasà amin-tsitraka amin'ny mpanomponao"
Ny mpanoratra miteny ny ranomaso be loatra toy ny hoe ranomaso mandriaka. DH: "Ranomaso be"
"mankatò ny lalànao"
Ity no anaran'ny litera fahavalo ambin'ny folo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 137-144 dia manomboka amin'ity litera ity.
Ireo mety ho heviny hafa dia "teny vavolombelona" na "lalàna." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 78:5.
Ity dia fomba fiteny. Ny andianteny dia fanitarana ary filaza masaka ho an'ny "tezitra faran-tampony aho."
Ny mpanoratra miteny ny tenany toy ny hoe olon-kafa. DH: "tiako, ilay mpanomponao" na "tiako"
Ny mpanao salamo miteny ny fahoriana sy fangirifiriana toy ny hoe olona. DH: "Tonga ory sy mangirifiry aho" na "mijaly ny vatako sy ny saiko"
Ity no anaran'ny litera fahasivy ambinin'ny folo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 145-152 dia manomboka amin'ity litera ity.
Ny mpanao salamo miteny ny momba azy manontolo toy ny hoe ny fony fotsny ihany. DH: "tanteraka"
Ireo mety ho heviny hafa dia "teny vavolombelona" na "lalàna." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 78:5.
"mialohan'ny hiposahan'ny masoandro"
Ity dia fomba fiteny. Amin'ny kolontsaina Hebreo, ny alina araka ny nahazatra dia nizara ho "fiambenana" telo na fotoana. DH: "midiridiry aho mandritra ny alina"
Ny mpanao salamo miteny an'izay lazainy toy ny hoe feo ampiasainy mba hitenenany. DH: "henoy izay lazaiko noho ny famindramponao"
"naniasia tamin'ny lalànao izy ireo" na "tsy miraharaha mihitsy ny lalànao izy ireo" (UDB)
Ireo mety ho heviny hafa dia "teny vavolombelona" na "lalàna." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 78:5.
Ny mpanao salamo miteny ny fandidian'i Yaveh toy ny hoe lahatsoratra natao teo amin'ny tany. DH: "nanome ireny ho ankatoavin'ny vahoaka"
Ity no anaran'ny litera faha roapolo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 153-160 dia manomboka amin'ity litera ity.
Ny mpanao salamo miteny ny fahoriana toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona jerena. DH: "Jereo ny halehiben'ny fihetseham-poko"
"Arovy amin'ireo izay miampanga ahy aho"
"arovy ny aiko" na "omeo ahy ny fiainana"
Ny mpanao salamo miteny ny famonjena toy ny hoe zavatra hita maso. Ny anarana "famonjena" dia azoadika amin'ny fampiasana matoanteny "manavotra." DH: "Azo inoana tokoa fa tsy hanavotra ny ratsy fanahy Ianao"
Eto ny "lehibe" midika "maro." "Nampiseho famindrampo tamin'ny vahoaka im-betsaka Ianao" na "efa nanao asam-pamindrampo maro Ianao"
Heviny hafa"satria Ianao manao izay mahitsy."
Ny anarana "mpanenjika" dia azo adika amin'ny fampiasana ny matoanteny "manenjika." DH: "ireo manenjika ahy"
Ity dia fomba fiteny. "tsy mbola nitsahatra tamin'ny fankatoavana aho" na "tsy mbola nitsahatra ny nino aho"
Ireo mety ho heviny hafa dia "teny vavolombelona" na "lalàna." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 78:5.
Ny mpamaritoetra "mpamadika" dia azo adika ho andianteny anarana. DH: "olona mpamadika" na "ireo izay namadika ahy" na "ireo fahavaloko"
"tsy manoa"
"Indro" na "Jereo aho mba hahafahanao mahita"
"Ny teninao no marina tanteraka" na "Azo itokiana ny teninao"
Ity no anaran'ny litera faha iraika amby roapolo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 161-168 dia manomboka amin'ity litera ity.
Ny mpanao salamo miteny ny fo toy ny hoe afaka ny hangorohoro sy hatahotra. Ny fo dia fibangoan-teny ho an'ny tenan'ilay olona manontolo. DH: "mangozohozo aho satria matahotra ny tsy hanoa ny teninao"
Ireo mety ho heviny dia 1) zavatra izay alain'ny miaramila na mpandroba avy amin'ireo izay noreseny tamin'ny ady na 2) zavatra sarobidy na "harena."
Ireo teny roa ireo dia saika midika zavatra mitovy. DH: "Mankahala mafy dia mafy"
Ireo mety ho hevitr'ity sarinteny ity dia ho an'ny 1) "olona mandainga" na 2) "ny teny fitaka izay lazain'ny olona."
Ireo mety ho heviny dia 1) "tsy misy mahavita mampanao ratsy azy ireo" na 2) "tsy misy mampahory azy ireo"
"Manoa ny didinao masina aho"
Ireo mety ho heviny hafa dia "teny vavolombelona" na "lalàna." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 119:1.
"Manoa ny fampianaranao aho"
Ity no anaran'ny litera faharoa amby roapolo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 169-176 dia manomboka amin'ity litera ity.
Ny mpanao salamo miteny ny fahafahana manakatra toy ny hoe zavatra mafy. DH: "ampio aho hahatakatra ny teninao"
Ny mpanao salamo miteny ny teny ventesiny anaty vavaka toy ny hoe olona izay te hiteny amin'ny mpanjaka. DH: "Ianao anie handre ny fivavako"
Ny mpanao salamo miteny ny molony toy ny hoe fitoeran-javatra ary ny derany toy ny rano izay mety araraka. Eto ny teny "molotra" dia fibangoan-teny izay maneho an'ilay olona manontolo. DH: "maniry ny hidera Anao mafy aho"
Ny mpanao salamo miteny ny lelany fa na 1) toy ny olona izany na 2) ho fibangoan-teny ho an'ny tenany manontolo. DH: "izaho hihira"
Ny tanana dia fibangoan-teny ho an'ilay olona manontolo. DH: "Mba ampio re aho"
"nifidy ny hanoa"
Ny anarana "fanavotana" dia azo adika ho matoanteny. DH: "Anao hanavotra ahy aho"
Ny anarana "mamy" dia azo avadika ho matoanteny. DH: "tiako loatra ny mankatò ny lalànao"
Ny mpanao salamo miteny ny didin'i Yaveh toy ny hoe olombelona afaka hanampy azy. DH: "hihaino ireo didinao marina aho ary dia ho hendry sy hahery"
"Nahatsapa ny lalanao tahaka ny ondry izay nandao ny fianakaviany aho"
"satria mpanomponao aho, dia tongava hitady ahy"
Hira fiakarana. 1 Niantso an'i Yaveh aho tao anatin'ny fahoriako, ka namaly ahy Izy. 2 Avoty ny aiko, ry Yaveh, amin'ireo mandainga amin'ny molotra ary mandiso fanantenana amin'ny lelany. 3 Ahoana ny fomba hanasaziany anareo, ary inona no mbola ho ataony anareo, ianareo izay manana lela mpandainga? 4 Ho saziany amin'ny zana-tsipìkan'ny mpiady izay norangitina tamin'ny vainafon'anjavidy ianareo. 5 Lozako fa nipetraka vonjimaika tao Maseka aho; teo aloha aho nipetraka tamin'ireo lain'ny Kedarita. 6 Efa niaina maharitra niaraka tamin'ireo izay mankahala filaminana aho. 7 Izaho dia tia filaminana, saingy rehefa miteny aho, dia ho amin'ny ady izy ireo.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny tohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."
"Tamin'ny olako" na "Rehefa anaty fahoriana aho"
Eto ny teny "aina" dia maneho an'ilay olona. DH: "Avoty aho"
Eto ny andianteny "ny molony" sy "ny lelany" dia maneho an'ireo olona izay milaza lainga sy fitaka. DH: "ireo mandainga amiko sy mitady hamitaka ahy" (UDB)
Ny mpanoratra mametraka ity fanontaniana fitarihana ity mba hanazavana izay ho ataon'Andriamanitra amin'ireo mpandainga. Ity fanontaniana ity dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Izany no fomba hamaizan'Andriamanitra anareo, ary izany no hataony aminareo, ianareo izay manana lela mpandainga."
Eto ny "lela mpandainga" dia maneho an'ilay olona miteny lainga. DH: "ianareo izay milaza lainga"
Ny mpanoratra miteny an'Andriamanitra manafay mafy an'ireo mpandainga toy ny hoe mandefa zana-tsipìka amin'izy ireo. DH: "Hanafay mafy anareo, toy ny hoe nandefasany zana-tsipìkan'ny mpiady Izy"
Izany dia manondro ny fomba hanefen'ny olona ny lohan-jana-tsipìka amin'ny afo. DH: "izay norangitina tamin'ny vainafon'anjavidy"
Ireo toerana roa ireo dia toerana mifanalavitra. Ny mpanoratra dia mety ho mampiasa ireo anarana mba hisy hevitra ambadika hanehoana ny fiainana miaraka amin'ny lozabe sy olon-dia. DH: "toy ny hoe miaina any Maseka aho na miaraka amin'ireo lain'i Kedara"
Izany andianteny izany dia maneho ny vahoakan'i Kedara izay monina ao amin'ireo lay ireo. DH: "ny vahoaka izay monina any Kedara"
"tia fihavanana aho"
"mila ady izy ireo"
1 Hira fiakarana. Hanopy ny masoko any an-tendrombohitra aho. Avy aiza moa ny famonjena ahy? 2 Ny famonjena ahy dia avy amin'i Yaveh, izay nahary ny lanitra sy ny tany. 3 Izy dia tsy hamela ny tongotrao hibolisatra; Izy izay miaro anao dia tsy ho remana. 4 Indro, ny mpiandrin'Israely tsy mba rendremana na matory mihitsy. 5 Yaveh no mpiandry anao; Yaveh no aloka eo ankavananao. 6 Tsy hanimba anao ny masoandro nony andro, na ny volana nony alina. 7 Yaveh hiaro anao amin'ny loza rehetra, ary hiaro ny ainao Izy. 8 Yaveh hiaro anao amin'ny zavatra rehetra ataonao anio ka ho mandrakizay.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny tohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."
Izany dia fomba fiteny midika "mijery" na "hifantoka amin'ny."
Ny mpanoratra mampiasa ity fanontaniana ity mba hampifantoka amin'ny loharanom-pamonjeny. Ity fanontanina fampisainana ity dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Hilaza aminao izay niavian'ny famonjena ahy aho."
Ity no valin'ilay fanontaniana teo aloha.
Misy fifamadihana eto izay mety hidika 1) ny mpanoratra manomboka miteny amin'ny vahoakan'Israely na 2) ny mpanoratra milaza olon-kafa miresaka amin'ny mpanoratra.
Ny fibolisatry ny tongotra dia mifandraika amin'ny fianjerana. DH: "ahy hianjera"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy, ary manamafy ny anjaran'Andriamanitra amin'ny maha mpiaro.
Eto ny "rendrehana" midika fa nitsahatra tamin'ny fiarovana Izy. DH: "Tsy ho resin-tory Andriamanitra ka hitsahatra amin'ny fiarovana anao" na "Hiaro anao lalandava Andriamanitra"
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy hevitra. Ny faharoa manamafy ny hevitry ny voalohany.
Ity teny ity dia mampiomana antsika mba hifantoka amin'ny andinindininy lehibe manaraka eo.
Ireo teny roa ireo dia midika zavatra mitovy. Eto ny "rendrehana" midika hoe mitsahatra amin'ny fiarovana. DH: "tsy mba ho resin-tory ka hitsahatra amin'ny fiarovana anao" na "hiaro anao lalandava"
Eto ny "aloka" dia manondro fiarovana. DH: "Eo anilanao Andriamanitra hiaro anao amin'ireo zavatra izay mety hamely anao"
Eto ity fomba fiteny ity dia midika fa akaiky na anilan'ny mpanoratra.
Ny fifanoheran'ny teny "andro" sy "alina" dia manondro an'ireo farany roa ireo sy izay rehetra eo anelanelany. DH: "Andriamanitra miaro anao hatramin'ny kely indrindra ary amin'ny fotoana rehetra"
Azo atao mazava tsara ny hevitra feno amin'ity fanambarana ity. DH: "na ny volana hanimba anao nony alina"
Ireo andianteny ireo dia mitovy hevitra avokoa. Ny fiverimberenana dia manamafy ny hevitra.
Izany dia manondro ny mpanoratra. DH: "anao"
Hira fiakarana, nataon'i Davida. 1 Faly aho rehefa nilaza tamiko izy ireo hoe: "Andeha isika ho ao an-tranon'i Yaveh." 2 Ry Jerosalema, ny tongotray dia migadona ato amin'ny vavahadinao! 3 Ry Jerosalema, izay namboarina toy tanàna voalamina tsara! 4 Ireo fokon'i Yaveh niakatra tany Jerosalema—ireo fokon'i Yaveh—mba ho fijoroana vavolombelona ho an'Israely, hanomezana fisaorana ny anaran'Yaveh. 5 Napetraka tany ireo seza fiandrianan'ny fitsarana, seza fiandrianan'ny tranon'i Yaveh. 6 Mivavaha ho amin'ny fiadanan'ny Jerosalema! "Aoka izay tianao hanana fiadanana. 7 Aoka hisy fiadanana ao amin'ireo manda izay miaro anao, ary aoka izy ireo hanana fiadanana ao amin'ny fiarovana mafinao." 8 ho an'ireo rahalahiko sy ireo namako dia hiteny aho hoe: "Ho eo aminareo anie ny fiadanana." 9 Ho an'ny tranon'i Yaveh Andriamanintsika, dia hitady ny mahasoa anareo aho.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."
Ny mpanoratra mijanona kely miteny amin'ny mpihainony ary miteny mivantana amin'ny tanànan'i Jerosalema. Jerosalema dia lazaina toy ny hoe olona izay afaka ny hihaino ny mpanoratra.
Eto ny "tongotra" dia manondro an'ilay olona manontolo. DH: "migadona izahay"
Eto ny "vavahady" dia manondro ny tanàna. DH: "ao anatinao, ry Jerosalema"
Eto ny "anarana" dia manondro an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "Yaveh"
Eto ny "ankohonana" dia manondro an'ireo taranak'i Davida. DH: "ny taranak'i Davida"
Izany dia manambara ny andinindinin'ny vavaka izay tian'ny mpanoratra ho fivavaky ny mpamakiny. Mangataka azy ireo hiteny mivantana amin'ny tanànan'i Jerosalema izy, toy ny hoe olona ny tanàna ary afaka mandre azy ireo.
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy hevitra ary ampiasaina miaraka mba hifanamafisana. DH: "Aoka hiaina amim-piadanana ny vahoakan'i Jerosalema"
Eto Jerosalema dia tondroina amin'ny fiarovana mafy sy manda izay miaro azy. Ny teny "manda" sy "fiarovana mafy" dia manondro zavatra mitovy ihany. DH: "ao amin'i Jerosalema"
Eto ny mpanoratra dia miteny mivantana amin'ny tanànan'i Jerosalema, toy ny hoe olona izany tanàna izany ary afaka mandre azy ireo.
"Noho ny maha"
"Mivavaka aho mba hiaina amim-piadanana ny vahoaka ao aminao"
Ny anarana "tsara" dia azo ambara ho asa. DH: "maniry mba hitondran'ny vahoaka anao tsara"
Fihirana fiakarana. 1 Aminao no hanandratako ny masoko, Ianao izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana any an-danitra. 2 Indro, raha mijery ny tanan'ny tompony ny mason'ireo mpanompo lahy, raha mijery ny tanan'ny tompovaviny ny mason'ireo mpanompo vavy, dia mijery an'i Yaveh Andriamanitsika ny masontsika mandra-pamindràny fo amintsika. 3 Manàna famindram-po aminay, Yaveh o, manàna famindram-po aminay, fa feno fanalam-baraka izahay. 4 Mihoatra lavitra noho ny feno ny faneson'ny mpanivaiva sy ny fanamavoan'ny mpirehareha izahay.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."
Eto ny mpanoratra dia manondro ny masony satria izany dia faritra amin'ny vatana natao hijerena. DH: "ijereko Anao"
mipetraka amin'ny seza fiandrianana ary manapaka tahaka ny mpanjaka
Ireo andianteny telo ireo dia mitovy hevitra. Ny fahatelo, izay momba ny Israelita, dia ampitahaina amin'ny fomba fijerin'ireo mpanompo lahy sy vavy an'ireo tompo lahy sy tompo vavy ho famonjena. Amin'ny isaky ny toe-javatra ny "maso" dia manondro an'ilay olona manontolo.
Eto ny "tanana" dia manondro ny vatsy ho an'ny filàna. DH: "ny vatsin'ny tompony ... ny vatsin'ny tompovaviny"
Ny vehivavy izay manana fahefana amin'ny mpanompo vaviny.
Ny anarana "famindrampo" dia azo ambara ho asa. DH: "mamindrà fo aminay"
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy hevitra, ary ny faharoa mampiakatra ny hevitry ny voalohany.
Eto ny fahafam-baraka dia lazaina toy ny hoe zavatra izay mety ho feno olona. DH: "afa-baraka tanteraka izahay"
Ity fomba fiteny ity dia midika fa be loatra ny fatrany, amin'ny hevitra mihiba. DH: "Mahazo be loatra izahay"
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy hevitra ary ampiasaina miaraka mba hanamafisana ny habetsahan'ny fanesoan'ny olona azy ireo.
maneso na manamavo
Izany dia manondro an'ireo olona mpanivaiva. DH: "olona tsy mahalala fomba sy mpiavonavona"
"olona mpirehareha"
Fihirana fiakarana; nataon'i Davida. 1 "Raha tsy teo anilantsika Yaveh," dia aoka Israely hiteny hoe: 2 "raha tsy Yaveh no teo anilantsika rehefa nitsangana nanohitra antsika ny olona, 3 dia nihinana antsika velona izy ireo rehefa nirehitra tamintsika ny hatezeran'izy ireo. 4 Mety efa voafafan'ny rano isika; ary nanafotra antsika ny riaka. 5 Avy eo ny rano misamboaravoara nahafaty antsika." 6 Isaorana anie Yaveh, ilay namela antsika ho rembin'ny nifin'izy ireo. 7 Efa tafatsoaka toy ny vorona teo amin'ny fandrik'ireo mpihaza isika; simba ilay fandrika, ary afa-nandositra isika. 8 Ao amin'i Yaveh, izay nahary ny lanitra sy ny tany no famonjena antsika.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."
Ity fanambarana ity dia mamaritra vokany izay tsy niseho akory, satria tena teo anilan'izy ireo Yaveh. DH: "Satria teo anilantsika Yaveh ... dia tsy afa-nitelina antsika velona izy ireo"
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy hevitra. DH: "Raha tsy ny famonjen'i Yaveh ... Rraha tsy ny famonjen'i Yaveh"
Izany dia sarinteny mamaritra ny fomba nahafatesan'ny Israelita amin'ny fomba hamelezan'ny biby masiaka ny biby kely kokoa mba hohanina. DH: "nahafaty antsika"
Eto ny "hatezeran'izy ireo" dia manondro an'ireo fahavalo izay tezitra. DH: "tezitra mafy tamintsika izy ireo!" (UDB)
Amin'ireto andininy roa ireto ny mpanoratra dia mampitaha ireo fahavalon'Israely amin'ny tondra-drano.
Izany dia manohy fanambarana fanoharana avy amin'ny andininy teo aloha. Izany dia mamaritra vokany izay tsy niseho akory, satria tena teo anilan'izy ireo Yaveh. DH: "Tsy namafa antsika ny rano ... tsy nanafotra antsika"
Ireo andianteny ireo dia mitovy hevitra.
Ireo andianteny ireo dia mitovy hevitra.
Eto ireo fahavalon'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe tondra-drano. DH: "Mety nandresy antsika mora foana ireo fahavalontsika"
Eto ireo fahavalon'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe tondra-drano izay mety hanafotra ny Israelita. DH: "mety efa nandifotra antsika ireo fahavalontsika"
Eto ireo fahavalon'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe ony misamboaravoara izay mety handifotra ny Israelita. DH: "mety efa namotika antsika ireo fahavalontsika"
Ireo fahavalo dia lazaina toy ny hoe bibidia izay namotika ny Israelita tamin'ny fihinanana azy ireo. DH: "potika tahaka ny hoe nohanin'ny bibidia"
Ny mpanoratra mamaritra ny fitsoahany an'ireo fahavalo toy ny hoe vorona izay nandositra ny fandriky ny mpihaza. DH: "afa-nandisitra an'ireo fahavalo tahaka ny vorona afa-nandositra ny fandrika napetraky ny mpihaza"
fihazana madinika misy tady na kofehy natao hisamborana biby madinika na vorona
Ny teti-dratsin'ireo fahavalo hisamboranana ny mpanoratra dia tsy nahomby tahaka ny hoe simba ilay fandrika.
Fihirana fiakarana. 1 Ireo izay mahatoky an'i Yaveh dia tahaka ny Tendrombohitra Ziona, tsy azo hozongozonina, maharitra mandrakizay. 2 Tahaka ireo tendrombohitra manodidina an'i Jerosalema, no hiodidinan'i Yaveh ny vahoakany ankehitriny sy mandrakizay. 3 Tsy tokony hanapaka ao amin'ny tanin'ny marina ny tehin'ny mpanao ratsy. Raha tsy izany dia mety hanao ratsy ny marina. 4 Manaova ny tsara, amin'ireo izay tsara sy ireo izay mahitsy ao am-pon'izy ireo. 5 Fa raha ny amin'ireo izay miala amin'ny lalan-dratsin'izy ireo, dia hitarika azy ireo lavitra an'ireo mpanao ratsy Yaveh. Ho amin'Israely anie ny fiadanana.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."
Ny olona izay mitoky ao amin'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe tendrombohitra Ziona. Tsy afa-mihetsika ireo tendrombohitra.
Ny fiarovan'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe Izy no ireo tendrombohitra manodidina an'i Jerosalema. Tendrombohitra marobe no nanodidina an'i Jerosalema, izay niaro azy amin'ny fanafihana. DH: "Tahaka ireo havoana izay manodidina an'i Jerosalema ka miaro azy, dia toy izany koa no hiarovan'i Yaveh ny vahoakany" (UDB)
Eto, ity andianteny ity dia midika "mandrakariva."
Eto ny tehim-piandrianan'ny faharatsiana dia maneho ny fanapahan'ny olona ratsy fanahy. DH: "olona ratsy fanahy" na "mpanapaka ratsy fanahy"
Ity dia fangatahana. Ny anarana "soa" dia azo ambara ho asa. DH: "Yaveh o, mba manaova zava-tsoa" na "Yaveh o, miangavy aminao aho mba hanao zava-tsoa"
Eto, ny "fo" dia manondro ny fanirian'izy ireo. DH: "maniry hanao izay tsara"
Ny fandavana ny hankatò an'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe miala amin'ny lala-tsara. DH: "miala amin'ny tsara ary lasa
Ëto ny lalan-dratsy dia lazaina toy ny hoe lalana izay tsy mahitsy. DH: "ireo ratsy fanaon'izy ireo"
Entina lavitra ny olona mba hamaizana azy ireo. Ny hevitra feno amin'ity fanambarana ity dia azo atao mazava tsara. DH: "hitarika azy ireo lavitra mba hamaizana azy ireo"
1 Fihirana fiakarana. Rehefa namerina ny haren'i Ziona i Yaveh, dia toy ireo manonofy isika. 2 Avy eo feno fihomehezana ny vavantsika ary hira ny lelantsika. Dia hoy izy ireo tamin'ireo firenena hoe: "Nanao zavatra lehibe ho azy ireo Yaveh." 3 Nanao zavatra lehibe ho antsika Yaveh; endrey izany hafaliantsika! 4 Yaveh o, avereno ny harenay, tahaka ny riaka ao Negeva. 5 Ireo izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja amin'ny hiakam-pifaliana. 6 Izay mandeha mitomany, mitondra voa hafafy, dia hiverina amin'ny hikam-pifaliana indray, mitondra ny amboarany miaraka aminy.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."
"nanao an'i Ziona ho ambinina indray"
Ny fiomehezana dia lazaina toy ny hoe fitoeran-javatra ny vavan'izy ireo ka tao ny fiomehezany. Azo atao mazava tsara fa ity fiomehezana ity dia valin'ny hafalian'izy ireo. DH: "niomehy tamim-pifaliana izahay"
Ny matoanteny "feno fihirana" dia azo ambara mazava tsara. Ny fihirana dia lazaina toy ny hoe fitoeran-javatra ny lelan'izy ireo ka tao ny fihirana. DH: "feno fihirana ny lelantsika" na "nihira tamim-pifaliana izahay"
"ny vahoakan'ireo firenena nifampiresaka."
"Endrey ny hafalianay, satria Yaveh nanao izao zava-dehibe izao ho anay!"
Ireo andininy roa ireo dia mifanindry lalana. Ny fehezanteny faharoa mitovy hevitra amin'ny fehezanteny voalohany, fa manome amin'ny antsipirihany kokoa.
1 Fihirana sy fiakarana, nataon'i Solomona. Raha tsy Yaveh no manorina ny trano, dia miasa foana izy ireo, izay manorina izany. Raha tsy Yaveh no miandry ny tanàna, dia mijoro miambina foana ny mpiambina. 2 Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina, sy hody tara any an-trano, na hihinana ny mofon'ny asa mafy, satria Yaveh no manome ho an'ny malalany raha matory izy ireo. 3 Indro, lova avy amin'i Yaveh ny zanaka, ary tambiny avy Aminy ny vokatry ny kibo. 4 Tahaka ny tsipìka eny an-tanan'ny mpiady, dia toy izany koa ireo zanaky ny fahatanorana. 5 Akory ny hasambaran'ny olona izay manana ny tranon-jana-tsipìkany feno an'ireny. Tsy ho menatra izy rehefa miatrika ireo fahavalony eo am-bavahady.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."
Ny olona iray miasa mafy matetika dia mifoha vao maraina foana ary taraiky fiverenana amin'ny alina.
Ity dia fomba fiteny. Ny mofo matetika dia maneho ny hanina ilain'ny olona amin'ny andavan'andro mba hivelomana. DH: "miasa mafy ho an'ny filàna andavan'andro"
"fanomezana" na "fananana sarobidy." Ny zanaka raha ny tokony ho izy no mandray lova avy amin'ireo ray aman-dreniny. Ny lova dia miainga avy amin'ny ray aman-dreny mankany amin'ny zanaka. Ity andalana ity dia manondro an'ireo zanaka ho toy ny lova ho an'ireo ray aman-dreny.
Ny zana-tsipìka dia tena zava-dehibe ho an'ny mpiady satria miaro azy ao anaty ady iny. Ny zanaka dia lazaina toy ny hoe ny zana-tsipìkan'ny mpiady. DH: "Ny fananana zanaka maro dia hanampy hiaro anareo"
Ny fanananazanaka maro dia lazaina toy ny hoe ny zanaka no zana-tsipìka anaty fitoerany. DH: "ny fonenana feno ankizy" na "zanaka maro"
Fihirana fiakarana. 1 Sambatra ny rehetra izay manome voninahitra an'i Yaveh, izay mandeha amin'ny lalany. 2 Izay omen'ny tananao, dia hankafizinao; ho sambatra sy hambinina ianao. 3 Ho tahaka ny voaloboka mamokatra ao an-tranonao ny vadinao; ho tahaka ny zanak'oliva ireo zanakao raha mipetraka manodidina ny latabatrao izy ireo. 4 Eny, ho sambatra tokoa ny olona izay manome voninahitra an'i Yaveh. 5 Hitahy anao avy any Ziona anie Yaveh; hahita ny fanambinan'i Jerosalema mandritry ny androm-piainanao rehetra anie ianao. 6 Ho velona anie ianao mba hahita ireo zafikelinao. Ho amin'Israely anie ny fiadanana.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."
Ity andianteny ity dia miseho amin'ny endrika tso-drafitra mba hialana amin'ny hoe Yaveh dia tsy maintsy mitahy ireo izay manaja Azy. DH: "Yaveh hitahy izay rehetra manome voninahitra Azy"
Ny lehilahy dia azo tondroina amin'ny tanany satria izany dia faritra amin'ny tenany ahafahany miasa. DH: "Izay vatsianao" na "Izay iasanao"
Ny teny "ho sambatra" sy "ambinina" dia mifampizara hevitra mitovy ary manamafy ny sitrak'Andriamanitra. DH: "Yaveh hitahy anao sy anambina anao" na "Yaveh hanao anao ho sambatra ary ho ambinina"
Ny vady dia lazaina toy ny hoe voaloboka mamokatra voankazo betsaka. Ity dia midika fa tahaka ny voankazo ny ankizy ary ny vady no hanana zanaka marobe. DH: "mamokatra be ary hanome anao zanaka maro"
Ny zanaka dia ampitahaina amin'ny hazon'oliva noho ny fomba itomboan'izy ireo mba hiodidinana amin-javatra iray. Ny zanaka dia hanodidina ny latabatra ka hameno izany. DH: "hahazo zanaka marobe izay hitombo sy ho ambinina ianao"
Izany dia manondro ny toerana izay iangonan'ny ankohonana. Matetika, izay rehetra mihinana amin'ny latabatry ny lehilahy dia eo ambany fahefany na fifehezany.
"manerana ny fotoana iainanao"
"Hanam-piadanana anie Israely"
Fihirana fiakarana. 1 Aoka Israely hiteny hoe: "Matetika hatramin'ny fahatanorako dia nanafika ahy izy ireo." 2 "Matetika hatramin'ny fahatanorako dia nanafika ahy izy ireo, nefa tsy nandresy ahy izy ireo. 3 Nangady ny lamosiko ireo mpangady; nataon'izy ireo lava ny vavasany. 4 Marina Yaveh; nanapaka ny tadin'ilay ratsy Izy." 5 Aoka ho alaina baraka avokoa izy rehetra ary hiverina, dia ireo izay mankahala an'i Ziona. 6 Ho tahaka ny ahitra eny an-tampon-trano izay malazo mialohan'ny hitomboan'izany anie izy ireo, 7 izay tsy afaka mameno ny tanan'ny mpijinja na ny tratran'izay mifehy amboara. 8 Aoka ireo izay mandalo tsy hiteny hoe: "Aoka ho aminao ny tso-dranon'i Yaveh; mitso-drano anao amin'ny anaran'i Yaveh izahay."
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."
Ny vanditra avy amin'ny fikapohana dia lazaina toy ny hoe avy nangadian'ny mpiasatany. Ny tantsaha nihady lavaka lalina amin'ny saha. DH: "Ireo fahavaloko no efa nanapaka lalina tao amin'ny lamosiko"
Izany dia fanohizana ny sarinteny amin'ny fangadiana. Ny "vavasa" dia tsipika nohadian'ny tantsaha. DH: "nalavain'izy ireo ny fandidiany"
Israely dia lazaina toy ny hoe voafatotry ny olon-dratsy. DH: "nanafaka antsika tamin'ireo fahavalontsika Izy"
Tsy voatonona mazava tsara hoe Yaveh no manao ireo zavatra ireo. DH: "Yaveh anie hampamenatra azy ireo ka handresy azy ireo"
Ny mpanao salamo miteny ny fahavalony hofaty sy vitsy an'isa. Izy ireny dia ampitahaina amin'ny ahitra vitsivitsy izay manory amin'ny tafon-trano ka malazo ary tsy ampy hotapahana na afatotra. DH: "Hofaty anie izy ireo ary aoka hisy vitsy kely amin'izy ireo no ho tahaka ny ahitra ... amboara"
"hitahy anao Yaveh"
1 Fihirana fiakarana. Niantso Anao tao amin'ny lalina aho, ry Yaveh. 2 Tompo o, henoy ny feoko; aoka hihaino tsara ny fangatahako famindram-po ny sofinao. 3 Raha mandinika heloka Ianao, ry Yaveh, dia iza no hahatsangana, ry Tompo? 4 Fa misy famelàna miaraka Aminao, mba ho voahaja Ianao. 5 Miandry an'i Yaveh aho, miandry ny fanahiko, ary manantena ao amin'ny teniny aho. 6 Miandry ny Tompo mihoatra noho ny mpiambina miandry ny maraina ny fanahiko. 7 Ry Israely, manantenà an'i Yaveh. Mpamindra fo Yaveh, ary tena vonona hamela Izy. 8 Izy no hanavotra ny Israely amin'ireo fahotana rehetra.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."
Ny alahelon'ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe fitoeran-javatra. Ny alahelony avy amin'ny farany ambanin'ilay fitoerana. Ny alahelo matetika dia lazaina ho toy ny fitoaran-javatra izay feno hatreny amin'ny vavany. DH: "Satria malahelo loatra aho"
Ny sofina dia maneho an'i Yaveh, nefa satria ny mpanoratra mahalala fa Yaveh mandre ny zava-drehetra, mangataka an'i Yaveh tokoa izy mba hamaly azy. DH: "mba henoy re" na "mba valio re"
"Famindrampo" dia zavatra izay azo omena olona mivantana. Ny mpanoratra mangataka an'i Yaveh ho mpamindra fo aminy. DH: "ny talahoko ary mamindrà fo amiko"
Ny mpilaza mampiasa ity fanontaninana ity mba hanehoana ny maha zavapoana ny fiheverana fa ny olona dia hahajoro eo anatrehan'izany toe-javatra izany. Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "tsy hisy hahajoro"
Ny "mitsangana" matetika dia maneho fandosirana na fahavelomana aorian'ny fanafihan'olona. Amin'ity toe-javatra ity, dia tokony hoe mandositra amin'ny famaizana izany. DH: "tsy hisy afa-mandositra amin'ny famaizanao" na "tsy hisy ho velona amin'ny famaizanao"
"Ny fanahiko" dia maneho ny mpanao salamo. DH: "aho"
Ny mpanao salamo dia lazaina toy ny hoe niandry zavatra amim-panantenana. DH: "manantena aho" na "matoky aho" na "maniry zavatra aho"
Ny mpanao salamo miteny ny faniriany ny Tompo hamonjy azy ho toy ny lehibe mihoatra ny faniriana ananan'ireo izay miasa alina tontolo ho an'ny maraina ho avy.
Ireo dia lehilahy izay miambina ny tanàna na saha amin'ireo fahavalo na mpandroba. Eto izany dia manondro an'ireo lehilahy izay tsy maintsy mifoha foana mandritra ny alina amin'ny fanaovana izany.
Ny vahoakan'Israely dia lazaina toy ny hoe lehilahy iray. DH: "ny vahoakan'Israely ... ny" na "anay vahoakan'Israely ... anay"
Fihirana fiakarana; nataon'i Davida. 1 Ry Yaveh, tsy mirehareha ny foko na miavonavona ny masoko. Tsy manana fanantenana lehibe ho an'ny tenako aho na miahiahy ny tenako amin'ireo zavatra izay mihoatra ahy. 2 Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko tokoa aho; toy ny zaza nisara-nono tamin'ny reniny, ny fanahiko ao anatiko dia toy ny zaza nisara-nono. 3 Ry Israely, manantenà an'i Yaveh ankehitriny ary mandrakizay.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."
Ny fo sy ny maso dia maneho an'ilay olona. DH: "tsy mirehareha aho na hiavonavona"
Ireo mety ho heviny dia "tsy nanantena hanao zava-dehibe aho" na "tsy mihevitra hoe lehibe aho."
Ireo zavatra izay sarotra ho an'olona ny hanakatra izany dia lazaina toy ny hoe mihoatra an'ilay olona izany na lavitra loatra an'ilay olona ny hahatratra izany. DH: "ireo zavatra izay saro-takarina"
Ny fanahy dia maneho an'ilay olona na ny fihetseham-pony. Ny tony sy miadana dia lazaina toy ny hoe nahatonga ny fanahin'olona hionona sy mangina. DH: "tony sy miadana aho"
Ny fanahy dia maneho an'ilay olona na ny fihetseham-pony.
Ny mpanao salamo miteny ny tenany ravo sy miala sasatra toy ny hoe zazakely izay tsy mangataka nono amin'ny reniny intsony. DH: "ravoravo tahaka ny zazakely tsy mitomany nono intsony fa mitsahatra eo an-tsandrin-dreniny" na "ravoravo sy miala sasatra"
Fihirana fiakarana. 1 Ry Yaveh, nohon'ny amin'i Davida dia tsarovy ireo fahoriany rehetra. 2 Tsarovy ny fomba nianianany tamin'i Yaveh, ny fomba nanaovany voady tamin'Ilay Maherin'i Jakoba. 3 Hoy izy hoe: "Tsy hiditra ny tranoko aho na hankao am-pandriako, 4 tsy hanome torimaso ny masoko aho na fialan-tsasatra ho an'ny hodi-masoko 5 mandra-pahitako toerana ho an'i Yaveh, ilay tabernakely ho an'Ilay Maherin'i Jakoba." 6 Indro, nandre momba izany tany Efrata izahay; nahita izany tany amin'ny sahan'i Jara isika. 7 Handeha ho any amin'ny tabernakelin'Andriamanitra isika; hidera any amin'ny fitoeran-tongony isika. 8 Mitsangàna, ry Yaveh, amin'ny toeram-pialan-tsasatrao, Ianao sy ny fiaran'ny herinao! 9 Ho ampiakanjoana tsy fivadihana anie ireo mpisoronao; hihiaka fifaliana anie ireo mahatokinao. 10 Nohon'ny amin'i Davida mpanomponao, dia aza miala amin'ny mpanjakanao voahosotra. 11 Nianiana voady azo antoka tamin'i Davida i Yaveh, fianianana azo antoka izay tsy ho foanany hoe: "Hametraka iray amin'ireo taranakao ho eo amin'ny seza fiandriananao Aho. 12 Raha mihazona ny fanekeko sy ireo lalàna izay hampianariko azy ireo zanakao lahy, dia hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mandrakizay ihany koa ny zanak'izy ireo. 13 Azo antoka fa nifidy an'i Ziona i Yaveh, naniry azy ho an'ny toerany Izy. 14 "Ity ny toeram-pitsaharako mandrakizay. Honina eto Aho, fa maniry azy Aho. 15 Ho tahiako amin'ny famatsiana maro izy. Homeko fahafaham-po amin'ny mofo ny mahantrany. 16 Hampiankanjoko famonjena ireo mpisorony, hihiaka fifaliana ireo mahatokiny. 17 Any no hanaovako tandroka hitsimoka ho an'i Davida sy hametrahako jiro ho an'ny voahosotro. 18 Hampiankanjoko henatra ireo fahavalony, fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny."
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."
"noho izay nitranga tamin'i Davida"
Izany dia manondro an'i Davida.
"Hoy Davida Mpanjaka"
Ny torimaso sy fialan-tsasatra dia lazaina toy ny hoe zavatra izay azo atolotra. Eto ny maso sy ny hodi-maso dia maneho an'ilay olona manontolo. DH: "Tsy hamela ny masoko hatory aho na ny hodi-masoko hitsahatra" na "Tsy hatory aho na hanakimpy ny masoko ka hiala sasatra"
Ny manangana toerana ho an'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe mitady toerana ho Azy. DH: "mandra-pahatsangako toerana ho an'i Yaveh"
Izany dia manondro an'i Yaveh.
Ny teny "izany" dia mety manondro izay nisy ny tabernakelin'Andriamanitra. Ny andianteny "Efrata" dia mety ho manondro an'izay nisy azy ireo rehefa nandre ny momba izany. Azo adika mazava tsara izany. DH: "nandre ny momba ny nisy ny tabernakelin'Andriamanitra izahay izay tany Efrata" na "nandre tany Efrata izahay fa any Jara ny vata masin'Andriamanitra"
Jara dia mety ho anarana hafa ho an'ny tanàna'i Kiriata-Jarima. Izany dia mety ho manondro an'ireo saha manodidina ny tanàna.
Ny fanompoana an'Andriamanitra tao amin'ny vatan'ny fanekena dia lazaina ho oty ny miankohoka eo an-tongotry ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana. DH: "handeha any amin'ny vatan'ny faneken'Andriamanitra izahay ka hanompo Azy ho mpanjaka"
Ny teny hoe "tongava" dia azo ambara mazava tsara. "Mitsangàna, ry Yaveh o, tongava ao amin'ny toeram-pitsaharanao"
Ny toerana izay nofidian'i Yaveh mba hanompoana Azy dia lazaina toy ny hoe toerana izay itsaharany na onenany mandrakizay. DH: "ny toerana izay itoeranao" na "ny tabernakelinao"
Ireo mety ho heviny dia " 1) "tongava ao amin'ny fiaran'ny heirnao" na 2) "tongava, ary tongava ny fiaran'ny herinao"
"ny fiara izay mampiseho ny herinao lehibe"
Ny fahitsiana dia lazaina toy ny hoe fitafiana. DH: "Hahalala anie ny olona fa manana fahitsiana ireo mpisoronao" na "Tiko hahita ny olona fa manao izay marina mandrakariva ireo mpisoronao"
"Noho izay niseho tamin'i Davida mpanomponao." Jereo izay nandikanao andianteny mitovy amin'izany ao amin'ny 132:1.
Eto ny "miala amin'ny" midika fa mandà olona. DH: "aza mahafoy ny mpanjaka izay nosoranao"
Ny fanaovana ny taranaky ny mpanjaka ho tonga mpanjaka eo amin'ny toerany dia lazaina toy ny hoe mametraka azy eo amin'izany sezam-piandrianana izany. DH: "Izaho hahatonga iray amin'ireo taranakao hanapaka an'Israely eo amin'ny toeranao"
Ny fanapahana ho mpanjaka dia lazaina toy ny hoe mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana. DH: "manapaka ho mpanjaka"
Eto ny "ireo zanakao" dia maneho an'ireo taranak'i Davida izay ho tonga mpanjaka. DH: "ireo taranakao"
"Izy", "ko" sy "Aho" dia manondro an'i Yaveh ary ny "azy" dia manondro an'i Ziona.
Ny mpanoratra manoratra toy ny hoe vehivavy ny tanànan'i Ziona.
Eto ny "fitoerana" dia maneho na 1) ny seza fiandrianany izay hanapahany, na 2) ny toerana izay hitoerany.
"Yaveh naniry an'i Ziona ho an'ny fitoerany." Izany dia mampiseho ny mpandray anjara voatonona ao.
Ny toerana izay nofidian'Andriamanitra ho an'ny vahoakany mba hanompoana Azy dia lazaina toy ny hoe toerana izay itsaharany na honenany mandrakizay. DH: "ny teorana izay itoerako" na "ny tabernakeliko"
Andriamanitra manohy miteny momba ny tanànan'i Ziona tahaka ny vehivavy.
"hanome fitahiam-be ho an'i Ziona"
Eto ny "mahantra" dia manondro an'ireo vahoaka mahantra any Ziona. Eto ny "mofo" dia mety ho maneho sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "hahafapo ny vahoaka mahatran'i Ziona amin'ny sakafo"
Ny famonjena dia lazaina toy ny hoe fitafiana. Ireo mety ho heviny dia 1) "Izaho hahatonga ireo mpisorona hitondra tena araka ny fomban'ireo olo-mendrika navotako" (UDB) na 2) "Izaho hanavotra ireo mpisorony"
Andriamanitra miteny ny taranaka maherin'i Davida toy ny hoe tandroka maherin'ny biby iray. DH: "Izaho hahatonga iray amin'ny taranak'i Davida ho mpanjaka aoriany" na "Izaho hahatonga an'i Davida hanana taranaka izay ho mpanjaka mahery"
Andriamanitra miteny an'ireo taranak'i Davida mitohy manapaka ho mpanjaka toy ny hoe fanilo izay manohy manazava. DH: "Izaho hahatonga ny taranak'ilay voafidiko hitohy hanapaka ho mpanjaka"
"ny mpanjaka voafidiko" na "ny mpanjaka nofidiko"
Ny henatra dia lazaina toy ny hoe fitafiana. Ity henatra ity dia mety hitranga vokatry ny faharesena amin'ny ady. DH: "Izaho hampamenatra ireo fahavalony" na "Izaho hahatonga ireo fahavalony ho resy sy menatra"
Ny satro-boninahitra dia maneho ny fanapahany, ary ny fahalehibiazana dia lazaina ho mitaratra. DH: "ho mpanjaka lehibe izy" na "hamirapiratra ny fahalehibiazany"
Fihirana fiakarana, nataon'i Davida. 1 Indro, endrey ny hatsara sy hafinaritry ny mpirahalahy miara-monina! 2 Tahaka ny diloilo tsara amin'ny loha araraka eo amin'ny volombava izany— volombavan'i Arona, ary avy eo araraka amin'ny moro-tongotry ny akanjo lavany izany. 3 Tahaka ny andon'i Hermona izay miraraka amin'ny tendrombohitra Ziona izany. Fa teo no nandidin'i Yaveh ny fitahiana— fiainana mandrakizay.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."
Ity teny ity dia ampiasaina hanamafisana ny maha zava-dehibe ny fanambarana manaraka eto.
Ny fifandraisana amin'ny samy vahoaka mpiaramiombona ao amin'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe mpirahalahy izy ireo. DH: "ny vahoakan'Andriamanitra miara-miaina amim-piadanana toy ny mpirahalahy"
Ny fahatsaran'ny fiombonana ao amin'ny vahoakan'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe diloilo tsara izay nararaka teo amin'ny lohan'i Arona. DH: "Izany fiombonana izany dia sarobidy tahaka ny diloilo nararaka teo andohan'i Arona"
Ny fahatsaran'ny fiombonana ao amin'ny vahoakan'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe mihavao toy ny ando. DH: "mihavao tahaka ny andon'i Hermona"
Izany dia tendrombohitra any Israely izay misy oram-panala eo an-tampon'izany mandritra ny taona.
Fihirana fiakarana. 1 Avia, misaora an'i Yaveh, ianareo mpanompon'i Yaveh rehetra, ianareo izay manompo mandritry ny alina ao an-tranon'i Yaveh. 2 Asandrato any amin'ilay fitoerana masina ny tananareo ary misaora an'i Yaveh. 3 Hitahy anareo avy any Ziona anie Yaveh, Izy izay nahary ny lanitra sy ny tany.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny."
"ianareo manompo an'i Yaveh rehetra"
Izany no fomba fivavaky ny Israely amin'Andriamanitra na fiderany an'Andriamanitra.
Ireo mety ho heviny dia 1) "ao an-tempoly" na 2) "ao amin'ny fitoerana masina ao an-tempoly"
Ny andianteny "lanitra sy tany" eto dia maneho ny zava-drehetra. DH: "ny zava-drehetra any an-danitra sy ety an-tany"
1 Miderà an'i Yaveh. Miderà ny anaran'i Yaveh. Miderà Azy, ianareo ry mpanompon'i Yaveh, 2 ianareo izay mijoro ao an-tranon'i Yaveh, ao an-kianjan'ny tranon'ny Andriamanintsika. 3 Miderà an'i Yaveh, fa tsara Izy; mihirà fiderana ho an'ny anarany, fa mahafinaritra ny manao izany. 4 Fa nisafidy an'i Jakoba ho an'ny tenany Yaveh, ary Israely ho fananany. 5 Fantatrao fa lehibe Yaveh, ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika. 6 Na inona na inona irian'i Yaveh, dia ataony any an-danitra, eto an-tany, eny amin'ireo ranomasina sy ny rano lalina rehetra. 7 Mitondra ny zavona avy lavitra Izy, manao tselatra miaraka amin'ny ranon'orana ary mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany. 8 Namono ny voalohan-teraky ny Egypta Izy, na an'ny olona na biby. 9 Nandefa famantarana sy fahagagana teo afovoanareo, Egypta Izy, nanohitra an'i Farao sy ireo mpanompony rehetra. 10 Nanafika firenena maro sy namono mpanjaka mahery Izy, 11 dia Sihona mpanjakan'ny Amorita sy Oga mpanjakan'i Basana ary ireo fanjakana rehetra ao Kanàna. 12 Nomeny antsika ho lova ny tanin'izy ireo, lova ho an'Israely vahoakany. 13 Ny anaranao, ry Yaveh, dia maharitra mandrakizay; ny lazanao, ry Yaveh, dia maharitra manerana ny taranaka rehetra. 14 Fa miaro ny vahoakany Yaveh ary manana fangoraham-po amin'ireo mpanompony. 15 Ny sampin'ireo firenena dia volafotsy sy volamena, asan'ny tanan'ireo olona. 16 Manam-bava ireo sampy, fa tsy miteny; mana-maso izy ireo, fa tsy mahita; 17 manan-tsofina izy ireo, fa tsy mandre, ary tsy misy fofon'aina ao ambavan'izy ireo. 18 Ireo izay manao azy ireo dia tahaka azy ireo, tahaka ny olona rehetra izay mahatoky azy ireo. 19 Ry taranak'Israely, misaora an'i Yaveh; ry taranak'i Arona, misaora an'i Yaveh. 20 Ry taranak'i Levy, misaora an'i Yaveh; ianareo izay manome voninahitra an'i Yaveh, misaora an'i Yaveh. 21 Isaorana anie Yaveh any Ziona, Izy izay monina any Jerosalema. Miderà an'i Yaveh
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ny anaran'i Yaveh dia maneho Azy. DH: "Miderà an'i Yaveh" na "Miderà Azy"
Izany dia maneho ny fanompoana an'i Yaveh ao an-tempoly"
Ahazoy antoka fa takatry ny vahoaka ny andianteny "Andriamanitsika" dia manondro an'i Yaveh.
"satria mankamamy amin'ny fiderana ny anarany izahay"
"Jakoba" eto dia manondro an'ireo taranany, ny vahoakan'Israely. DH: "Yaveh nifidy an'ireo taranak'i Jakoba"
Ny fiandohan'ny fehezanteny dia azo ambara mazava tsara. DH: "nifidy an'Israely ho fananany Izy"
"Fantatro fa ambonin'andriamanitra rehetra ny Tompotsika." Ny maha lehibe mihoatra ny zavatra dia lazaina ho toy ny ambonin'izany. DH: "ary lehibe mihoatra ny andriamanitra rehetra ny Tompotsika"
Ny trano fitehirizana dia toerana izay hitehirizanan an'ireo zavatra ilaina amin'ny hoavy. Izany kisarisary izany dia mampiseho ny fahefan'Andriamanitra hifehezany ny rivotra. DH: "mahatonga ny rivotra hitsoka amin'ny alalan'ny heriny"
Ireo teny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary manondro an'ireo fahoriana mahagaga izay nalefan'Andriamanitra tany Egypta.
Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe nihaino azy ny vahoakan'i Egypta. DH: "teo aminareo ry vahoakan'i Egypta" na "teo amin'ny vahoakan'i Egypta"
"manafay an'i Farao"
Ireo dia anaran-dehilahy anankiroa.
Ny fanomezan'Andriamanitra ny tany ho an'ny Israelita dia lazaina toy ny hoe lova avy amin'ny ray mankany amin'ny zanaka. DH: "Nomeny antsika ho fananana mandrakizay ny tanin'izy ireo" na "Nomeny antsika ho antsika mandrakizay ny tanin'izy ireo"
Ny anarany eto dia maneho ny lazany. DH: "Ny lazanao"
Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe nonina tany Jerosalema satria tany ilay tempoly izay nanompoan'ny Israelita Azy. DH: "Izy izay manana tempoly any Jerosalema"
1 Manolora fisaorana ho an'i Yaveh; fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay famindram-pony. 2 Manolora fisaorana ho an'Andriamanitr'ireo andriamanitra, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 3 Manolora fisaorana ho an'ny Tompon'ny tompo, fa maharitra mandrakizay ny famindram_pony. 4 Manolora fisaorana ho Azy fa Izy irery ihany no manao zava-mahagaga lehibe, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony— 5 fa tamin'ny fahendrena no nanaovany ny lanitra, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 6 Manolora fisaorana ho Azy ilay namelatra ny tany ambonin'ny rano, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony— 7 ho Azy ilay nanao fahazavana lehibe, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 8 Manolora fisaorana ho Azy ilay nanome ny masoandro mba hanapaka amin'ny andro, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony— 9 ny volana sy ireo kintana mba hanapaka amin'ny alina, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 10 Manolora fisaorana ho Azy ilay namono ny lahimatoan'i Egypta, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony— 11 ary nitondra an'Israely nivoaka avy teo amin'izy ireo, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony— 12 tamin'ny tanana mahery sy sandry nisandratra, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 13 Manolora fisaorana ho Azy ilay nanasaraka ny Ranomasina Mena, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony— 14 sy nampiapita an'Israely teo anelanelan'izany, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony— 15 fa kosa nandrendrika an'i Farao sy ny tafiny tao amin'ny Ranomasina Mena, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 16 Manomeza fisaorana ho Azy ilay nitarika ny olony tany an'efitra, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony— 17 sy ho an'ilay namono ireo mpanjaka lehibe, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 18 Manolora fisaorana ho Azy ilay namono ireo mpanajaka malaza, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony— 19 dia i Sihona mpanjakan'ny Amorita_fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony— 20 sy i Oga mpanjakan'i Basana, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 21 Manolora fisaorana ho Azy ilay nanome ny tanin'izy ireo ho lova, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony— 22 dia lova ho an'Israely mpanompony, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony— 23 ho Azy ilay nahatsiaro antsika sy namonjy antsika tamin'ny fahafahambarakantsika, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 24 Manolora fisaorana ho Azy ilay efa nanome fandresena antsika teo amin'ireo fahavalontsika, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony— 25 dia ilay nanome hanina ho an'ny zava-manan'aina rehetra, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 26 Oh, manomeza fisaorana ho an'Andriamanitry ny lanitra, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
ny Andriamanitra izay lehibe mihoatra ireo andriamanitra izay tompoin'ny olona hafa firenena.
Izany hoe, satria hendry Izy.
Ny Israelita fahiny nihevitra fa ny tany maina dia teo ambony ranomasina. DH: "nametraka ny tany ambony rano"
Izany dia fanondroana an'ireo loharanom-pahazavana ho an'ny tany, indrindra ny masonadro amam-bolana. DH: "ny masoandro amam-bolana ary ny kintana"
Ny masoandro, volana, ary kinatana dia lazaina toy ny hoe mpanjaka. DH: "hanamarika ny fotoan'ny andro ... hanamarika ny fotoan'ny alina"
"avy amin'ny vahoakan'i Egypta"
Eto ny "tanana" sy "sandry" dia maneho hery. DH: "tamin-kery lehibe"
nandifotra an'ireo miaramilan'i Farao ny ranomasina Mena.
Eto ny fandavoana dia lazaina toy ny hoe nanisaka olona. DH: "nandresy an'i Farao" na "nandresy ny mpanjakan'i Egypta"
Izany hoe, ny tafik'i Farao.
Ireo mpanjaka ireo dia roa fotsiny amin'ireo mpanjaka maro izay namelan'Andriamanitra ny Israelita handresy.
"nihevitra ny amintsika"
Ny maha mahatsiaro menatra dia lazaina toy ny hoe toerana izay efa nisian'ny Israelita izany. Ity dia fanondroana ny habetsahan'ny nandavoan'ireo fahavalon'ny Israelita azy ireo tamin'ny ady ary nampamenatra azy ireo. DH: "niahy rehefa menatra izahay"
Ny manao ny vahoaka ho mpandresy sy mandavo ireo fahavalon'izy ireo dia lazaina toy ny hoe manome azy ireo fandresena, toy ny hoe zavatra izay azo atolotra ny fandresena. DH: "nanao anay ho mpandresy ambonin'ireo fahavalonay" na "nanao anay ho afa-mandresy ireo fahavalonay"
"ny Andriamanitra izay monina any an-danitra" na "ny Andriamanitra izay tompoin'ireo izay any an-danitra"
1 Teny amoron'ny reniranon'i Babylona izahay no nipetraka sy nitomany raha nahatsiaro ny amin'i Ziona. 2 Teo amin'ny hazomalahelo no nanantonanay ireo harpa anay tany. 3 Tany no nangatahan'ireo mpambabo anay hihira, ary ireo izay naneso anay dia nangataka anay mba hifaly, nanao hoe: "Manaova hira iray amin'ireo hiran'i Ziona ho anay." 4 Ahoana no hahafahanay manao ny hira momban'i Yaveh aty amin'ny tany hafa? 5 Raha manadino ny fahatsiarovana anao aho, ry Jerosalema, dia aoka tsy hahay hitendry intsony ny tanako ankavanana. 6 Aoka ny lelako hiraikitra amin'ny lanilaniko raha toa tsy miheritreritra anao intsony aho, raha tsy tia an'i Jerosalema mihoatra ireo sitrako indrindra aho. 7 Tsarovy, ry Yaveh, izay nataon'ireo Edomita tamin'ny andro naharava an'i Jerosalema. Hoy izy ireo: "Potipoteho izany, ravao hatrany amin'ny fotony." 8 Ry zanaka vavin'i Babylona, tsy ho ela dia ho rava— aoka hotahiana ny olona, izay olona mamaly ny amin'izay efa nataonao anay. 9 Hotahiana anie ny olona, izay maka ary manorotoro ny zanakareo amin'ny vatolampy.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Akaikin'ny iray amin'ireo renirano manakaiky an'i Babylona"
Ny mpanoratra akory tsy mampiditra ny mpamaky.
Tsy mitsiry any Israely ny hazomalahelo. "Hazomalahelo" eto dia mety ho midika ireo hazo rehetra any Babylona. DH: "Teo amin'ireo hazo any Babylona"
Eto ny "hira" dia maneho ny fihetsika fihirana. DH: "nangataka anay hihira ireo mpambabo anay"
"nanao anay ho mody faly"
Izany dia mety ho manondro an'ireo hira izay nampiasain'ny Israelita tao an-tempoly tany Jerosalema.
Ny mpanoratra miteny toy ny hoe mihaino azy i Jerosalema. DH: "Raha mody ho tsy nahatsiaro anao aho, ry Jerosalema" na "Raha miezaka manadino anao aho, ry Jerosalema"
ny tanana izay miasa indrindra matetika amin'ny olona
Eto ny mahatsiaro izay nataon'ny Edomita dia maneho famaizana azy ireo noho ny amin'izay nataony. DH: "Faizo ny Edomita, ry Yaveh o, noho izay nataon'izy ireo"
Jerosalema voababon'ny tafika fahavalo iray dia lazaina toy ny hoe lavo. Izay nambabo an'i Jerosalema dia azo ambara mazava tsara. DH: "ny andro nambaboana an'i Jerosalema" na "ny andro nidiran'ny tafika Babyloniana tao Jerosalema"
Ny mpanao salamo dia miteny asmin'ny vahoakan'i Babylona toy ny hoe nihaino azy tany izy ireo.
Ity dia maneho ny tanànan'i Babylona sy ny vahoakany.
Ny mpanoratra miteny olona iray manao amin'ny hafa izay nataon'izy ireo toy ny hoe fanonerana. DH: "manao aminao izay nataonao taminay"
"mamotipotika ny lohan-janakao amin'ny vatolampy"
Salamo nataon'i Davida. 1 Hanome fisaorana Anao amin'ny foko manontolo aho; eo anatrehan'ireo andriamanitra no hihirako fiderana ho Anao. 2 Hiankohoka eo amin'ny tempolinao masina aho ary hanome fisaorana ny anaranao ny amin'ny fanekenao mahatoky sy ny amin'ny famendreham-pitokianao. Nanao ny teninao sy ny anaranao ho zava-dehibe mihoatra ny zavatra hafa rehetra Ianao. 3 Tamin'ny andro niantsoako Anao, dia namaly ahy Ianao; nampahery sy nampatanjaka ny fanahiko Ianao. 4 Hanome fisaorana Anao ny mpanjakan'ny tany rehetra, ry Yaveh, fa handre ireo teny avy amin'ny vavanao izy ireo. 5 Eny tokoa, hihira ireo asan'i Yaveh izy ireo, fa lehibe ny voninahitr'i Yaveh. 6 Fa na dia avo aza i Yaveh, dia mbola miahy ireo manetry tena, fa ny mpirehareha kosa dia fantany avy eny lavitra. 7 Na dia mandeha eny afovoan'ny loza aza aho, dia hiaro ny aiko Ianao; haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran'ireo fahavaloko Ianao, ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana. 8 Momba ahy hatramin'ny farany Yaveh; ny famindram-ponao, ry Yaveh, dia maharitra mandrakizay. Aza mahafoy ireo izay nataon'ny tananao.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida no nanoratra ny salamo na 2) ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny fo eto dia maneho ny fihetseham-po. Ny fanaovana amin-kitsipo na an-tsakany sy an-davany dia lazaina toy ny hoe manao izany amin'ny fony rehetra. DH: "Hisaotra Anao amin-kitsipo aho"
Ireo mety ho heviny dia 1) "na dia misy aza ireo sampy zavapoana" na 2) "eo anatrehan'ny fiangonana masina," izany hoe "amin'ny fahatsiarovana ireo anjely any an-danitra."
Ny fiankohofana dia mari-pamantarana izay maneho fanompoana sy fanomezam-boninahitra. DH: "Hanompo Anao aho"
"hisaotra Anao"
Izany dia manondro an'izay nolazain'Andriamanitra. DH: "izay nolazainao" na "ireo didy sy fampanantenanao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny tenanao" na 2) "ny lazanao."
"ny mpitarika rehetra eto amin'izao tontolo izao"
Ity fomba fiteny ity dia midika fa Andriamanitra tenany mihitsy. DH: "Ianao"
Ambonin'ny voahary rehetra Yaveh amin'ny hery, toerana, ary fahefana. Kanefa ny tiany dia amin'ireo izay manetry tena, ary mpanompon'ny rehetra. Io dia fifanoherana tsotra.
Ity fomba fiteny ity dia mety ho midika fa tsy mahatoky amin'ireo izay mirehareha Andriamanitra.
miaina, miseho
Ny maha tandindonin-doza dia lazaina toy ny hoe amin'ny toerana tena izy.
Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe hamely an'ireo fahavalo amin'ny tanany.
Ny hatezeran'ireo fahavalo dia lazaina toy ny hoe zavatra raha tokony ho fihetseham-po. DH: "ireo fahavaloko tezitra"
Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe Izy mivantana mihitsy no nampiasa tanana mba hamoronana. DH: "nataonao"
Ity fomba fiteny ity dia mety ho manondro ny firenen'Israely.
1 Ho an'ny mpivety hira. Salamo nataon'i Davida. Ry Yaveh, efa nandinika ahy Ianao, ary fantatrao aho. 2 Fantatrao aho rehefa mipetraka sy rehefa mitsangana; takatrao avy eny lavitra ny fisainako 3 Mandinika ny lalako sy ny fatoriko Ianao; mahafantatra tsara ireo lalako rehetra Ianao. 4 Fa talohan'ny nisian'ny teny teo amin'ny lelako, dia fantatrao tanteraka izany, ry Yaveh. 5 Mihodidina eo anoloako sy ao aoriako Ianao ary mametraka ny tananao amiko. 6 Ny fahalalana toy izany dia sarotra loatra amiko, sady ambony loatra, ka tsy ho takatro izany. 7 Aiza no hialako amin'ny fanahinao? Aiza no handosirako amin'ny fanatrehanao? 8 Raha miakatra any an-danitra aho, dia any Ianao; raha manao ny fandriako any amin'ny Fiainan-tsy hita aho, dia indro, fa any Ianao. 9 Raha manidina amin'ny elatry ny maraina aho ary mandeha mba hitoetra any amin'ny faran'ny ranomasina, 10 ary na any aza mbola hitarika ahy ny tananao, ary ny tananao ankavanana hiazona ahy. 11 Raha niteny aho hoe: "Handrakotra ahy tokoa ny haizina, ary ny hazavana ho tonga alina manodidina ahy," 12 na ny aizina aza dia tsy ho maizaina aminao. Ary ny alina hibaliaka tahaka ny andro, fa aminao dia mitovy ny aizina sy hazavana. 13 Ianao no namorona ny tao anatiko; noforoninao tao an-kibon-dreniko aho. 14 Hidera Anao aho, fa mahatalanjona ny nanaovana ahy. Fantatry ny fanahiko tsara tokoa izany. 15 Tsy niafina taminao ny taolako fony natao tao amin'ny miafina aho, fony aho novolavolaina fatratra tany amin'ny lalin'ny tany. 16 Nahita ahy tao am-bohoka Ianao; ny andro rehetra voatondro ho ahy dia efa voarakitra ao amin'ny bokinao na dia mbola tsy nitranga aza ny voalohany. 17 Endrey ny hasarobidin'ny fiheveranao ahy, ry Andriamanitra! Akory ny hamaroan'ny fitambaran'izy ireo! 18 Raha andramako isaina ireo, dia maro an'isa nohon'ny fasika. Rehefa mifoha aho, dia mbola miaraka Aminao. 19 Raha mba hamono ny ratsy fanahy Ianao, ry Andriamanitra; dia mialà amiko, ianareo olona mahery setra. 20 Mikomy aminao izy ireo ary maneho amim-pitaka; milaza lainga ireo fahavalonao. 21 Moa ve tsy mankahala, ireo izay mankahala Anao aho, ry Yaveh? Moa ve tsy manao tsinontsinona ireo izay mitsangana hanohitra Anao aho? 22 Mankahala azy ireny tanteraka aho; efa lasa fahavaloko izy ireny. 23 Diniho aho, Andriamanitra o, ary fantaro ny foko; zahao toetra aho ka fantaro ny fisainako. 24 Jereo raha misy fahazaran-dratsy ato anatiko, ary tario amin'ny lalana madrakizay aho.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida no nanoratra ny salamo na 2) ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
"nitsapa"
Ny mpanao salamo mampiasa ireo fihetsika roa ireo mba hanehoana izay rehetra ataony. DH: "izay rehetra ataoko" na "izay rehetra momba ahy"
Eto ny 'lalana" dia midika ny fitondran-tenan'olona iray. "Ny lalako sy ny fomba fandriko" miaraka dia maneho izay rehetra momba ny mpanao salamo.
Eto ny "teny eo amin'ny lela" dia maneho lahateny. DH: "mialohan'ny itenenako"
Ity fomba fiteny ity dia manondro ny fanatrehan'Andriamanitra na aiza na aiza.
Ity fomba fiteny ity dia manondro ny fitarihana sy famonjena. DH: "Ianao mitarika ahy sy mamonjy ahy"
"sarotra loatra amiko ny hanakatra"
Ny maha avo sy saro-takarina dia fomba fiteny ny amin'ny fahalalana sasany izay tsy ananan'olombelona eto amin'ity toe-jzavatra ity. DH: "sarotra loatra ny hanakatra"
Ireo fanontaniana roa ireo dia mifanindry lalana. Ny mpanao salamo miteny fa tsy afaka ny hiala amin'ny fanatrehan'Andriamanitra izy. DH: "Tsy afa-mandositra amin'ny Fanahinao aho."
Ny "fanaovana ny fandrian'olona" dia manondro fitsaharana any amina toerana iray. DH: "na dia any amin'ny Fiainan-tsy hita aza aho"
Ny mpanoratra manazava fa na aiza na aiza misy azy, dia any koa Andriamanitra.
Ho an'ny tatsinanana fahiny, dia noheverina ho nanan'elatra nahatonga izany hanidina amin'ny habakabaka ny masoandro. DH: "Raha afa-nitondra ahy namakivaky ny habakabaka ny masoandro"
"any andrefana lavitra indrindra any"
"hamonjy ahy"
Ny mpanao salamo miteny ny alina toy ny hoe bodofotsy izay manafina azy.
Ny alina, izay maizina, dia lazaina toy ny hoe nibaliaka nisy hazavana.
"Ny aoa anaty" dia manondro ny taova ao anatin'ny olona, fa eto kosa ny fomba fiteny dia mety manondro ny vatana manontolo. DH: "Ianao no nanao ny vatako manontolo"
Eto ny "fanahy" dia mety ho manondro ny fahafahan'ny anatin'ny mpanao salamo hahalala marina tokoa ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fitarihany. Kanefa, azon'ny mpandika teny ny manao ny "fanahy" ho sarinteny ho an'ny fo sy sain'ny mpanao salamo eto. DH: "Fantatro amin'ny foko rehetra izany"
"natao tamin'ny fomba sarotra tokoa"
Izany dia mety ho fomba ilazana ny momba ny tranon-jazan'ny reny.
Ity fomba fiteny ity dia midika fa ireo Israelita fahiny nihevitra fa Andriamanitra nanoratra ireo fikasany tanaty boky.
"zava-dehibe" na "manan-danja"
"Maro loatra ireo fisainanao."
"tsy tambo isaina ireny"
Mody miseho ho miteny miteny mivantana amin'ireo lehilahy maherisetra izay ao an-tsainy fotsiny ny mpanao salamo. Azon'ny mpandika teny atao ny manapa-kevitra ity baiko ity ho faniriana (Jereo UDB).
"Mikomy amin'ny fahefanao izy ireo, Andriamanitra o"
"mandainga ny momba Anao ireo fahavalonao"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy hevitra. Ny faharoa manamafy ny hevitra ao amin'ny voalohany. Ireo fanontaniana roa ireo dia mahatonga fanambarana. (Jereo UDB)
mikomy amin'ny
Ity dia fangatahana amin'Andriamanitra mba hilaza amin'ny mpanao salamo ny amin'izay fiheveran-diso mety ananany. DH: "Mba tadiavo re aho" na "Miangavy Anao aho hitady ahy"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy hevitra. Ny faharoa manamafy ny hevitra ao amin'ny voalohany.
Eto ny "fahazarana" dia midika fitondran-tena.
Eto ny "lalana" dia manondro ny fitokiana sy fankatoavana an'Andriamanitra. Izay rehetra "mandeha" amin'izany lalana izany dia hanana ny fiainana mandrakizay.
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. 1 Yaveh o, vonjeo amin'ny ratsy fanahy aho; arovy amin'ny olona mahery setra aho. 2 Mikasa ratsy ao am-pony izy ireo; manangana ady isan'andro izy ireo. 3 Mandratra toy ny bibilava ny lelan'izy ireo; ny pozin'ny menarana no eo amin'ny molony. Sela 4 Arovy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho. ry Yaveh; arovy amin'ny olona mahery setra izay mikasa ny hamandrika ahy aho. 5 Efa nametraka fandrika ho ahy ny mpirehareha; efa nampiely ny harato izy ireo; efa nametraka fandrika ho ahy izy ireo. Sela 6 Hoy aho tamin'i Yaveh: "Andriamanitro Ianao; mihainoa ny tomanim-piantrana." 7 Ry Yaveh, Tompoko o, tena afaka mamonjy ahy Ianao; miaro ny lohako amin'ny andron'ny ady Ianao. 8 Ry Yaveh, aza mamaly ny fanirian'ny ratsy fanahy; aoka tsy hahomby ny teti-dratsin'izy ireo. Sela 9 Ireo izay manodidina ahy dia manatraka ny lohany; aoka ny sompatr'izy ireo ihany no hanarona ny molotr'izy ireo. 10 Aoka hisy vain'afo hilatsaka eo amin'izy ireo; atsipazo ao anaty afo izy ireo, dia ao amin'ny lavaka tsy hita noanoa, ka tsy hiarina intsony. 11 Aoka ny olona mahay vava tsy hanamboatra fitoerana amin'ny tany; aoka ny loza hanosihosy ny ratsy fanahy mba hamonoana azy ho faty. 12 Fantatro fa hitsara ny ory amin'ny indrafo i Yaveh, ary hanome rariny ireo mahantra. 13 Azo antoka fa ny olo-marina dia hisaotra ny anaranao; hiaina eo amin'ny fanatrehanao ireo olona mahitsy.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida no nanoratra ny salamo na 2) ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Eto ny "ady" dia mety ho manondro an'ireo fifanoherana isan-karazany, ao anatin'izany ny fifandirana.
By olona izay mahatonga fifandirana amin'ny alalan'izay lazainy dia lazaina toy ny hoe manana lelam-bibilava. Marina tokoa fa tsy afaka ny handrava amin'ny alalan'ny lelany ny bibilava, fa amin'ny kaikitra kosa, indrindra amin'ny poiziny. Na ny olombelona handranitra ny lelany. Eto, noho izany ny hevitry ny lela maranitra dia midika hoe miteny amin'ny fomba mahatonga azy. Ary ny hevitry ny bibilava manana lela maranitra midika fa maro amin'ireny no misy poizina.
Izany hoe, ny fahefan'ny ratsy fanahy.
Ny karazam-pandrika tena marina dia tsy tena zava-dehibe mihoatrany hevitra izay "ratsy fanahy ... lehilahy maherisetra" mikasa hampitondra fahoriana ho an'ny mpanao salamo. raha tsy mahalala firy ny amin'ny famandrihana ny mpamakinao, dia mety ilaina ahena ho andalan iray ihany izany, tahaka ny UDB manena ho andalana iray ny an'ny ULB ao amin'ny 140:1.
Ity dia antso vonjy. DH: "henoy aho raha miantso vonjy aminao ankehitriny"
Ny lohan'olona dia tena tandindonin-doza loatra mandritra ny ady. DH: "miaro ahy Ianao rehefa manakany an'ady aho"
Eto ny "ady" dia angamba midika ho ireo karazan'olona mahery vaika rehetra.
"miangava aza avela hahazo izay iriany re ny ratsy fanahy"
"olona ratsy fanahy"
Ity dia famantarana ny maha mpirehareha. DH: "dia mirehareha"
Izany dia vavaka mba hanaovan'Andriamanitra ny mpanao ratsy hijaly noho ireo fahoriana nataon'izy ireo tamin'ny alalan'ny zavatra izay nolazainy.
Ny fahoriana izay ny tenan'izy ireo mihitsy no nanao azy tamin'izay nolazainy.
Izany hoe, mampitsahatra azy ireo amin'ny fampitondrana fahoriana.
Ny kisarisary amin'ny afo dia midika famaizana mahery vaika ho an'ireo ratsy fanahy.
Izany dia mety ho fanondroana ny Fiainan-tsy hita, ny tontolon'ny maty.
ireo izay miteny ratsy amin'ny hafa tsy amin'ny antony.
"azo antoka eto amin'ity fiainana ity"
Eto ny ratsy dia lazaina toy ny hoe olona iray mamalifaty amin'olona iray hafa.
Eto ny rariny dia lazaina toy ny hoe zavatra izay afaka ny omena olona iray. DH: "Hiasa amin'ny fomba marina izy mba hamonjena ny mahantra"
Anao
Salamo nataon'i Davida. 1 Ry Yaveh, mitaraina Aminao aho; faingàna hankaty amiko. Henoy aho raha miantso Anao. 2 Aoka ny fivavako ho toy ny ditin-kazo manitra eo anatrehanao; aoka ho toy ny sorona hariva ny fanandratako ny tanako. 3 Ry Yaveh, asio mpiambina eo amin'ny vavako; ambeno ny varavaran'ny molotro. 4 Aza avela hitsiriritra zava-dratsy ny foko na handray anjara amin'ny fahotana miaraka amin'ny olona izay mitondra tena ho ratsy. Aza avela hihinana ireo hanim-pin'izy ireo aho. 5 Avelao ny olo-marina hamely ahy; fa ho fahalemem-panahy amiko izany. Aoka hanitsy ahy izy; ho toy ny diloilo eo amin'ny lohako izany; aoka ny lohako tsy handà fa hanaiky izany. 6 Fa ny fivavako dia manohitra ny asa ratsin'izy ireo mandrakariva. Hatsipy avy eny amin'ny tampon'ny hantsana ireo mpitarika azy ireo; ho ren'izy ireo fa ny teniko dia mahafinaritra. 7 Dia hilaza izy ireo hoe: "Tahaka ny olona miasa sy miady ny saha, dia efa voaparitaka tany am-bavan'ny fiainan-tsi hita ny taolanay." 8 Aminao tokoa ny masoko, ry Yaveh, Tompo; ao Aminao no hialofako; aza mamela ny fanahiko tsy hisy mpiaro. 9 Arovy amin'ireo fandrika izay efa novelarin'izy ireo ho ahy aho, amin'ny ireo fandrik'ireo mpanao ratsy. 10 Aoka ny ratsy fanahy ho lavo amin'ny aratony raha mandositra aho.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida no nanoratra ny salamo na 2) ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
"mangata-pamonjena aminao"
Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe olombelona ilaina tonga avy amin'ny toeran-kafa hamonjy azy i Yaveh. Izay tian'ny mpanao salamo hataon'i Yaveh dia azo ambara mazava tsara. DH: "faingàna hamonjy ahy"
"Mba henoy aho raha miantso" na "Miangavy Anao aho hihaino ahy raha miantso"
"Ho ankasitrahanao tahaka ny fankasitrahan'ny olona ny hanitra manim-pofona anie ny fivavako"
Tian'ny mpanao salamo i Yaveh mba hankasitraka azy satria izy mivavaka ary noho ireo tenin'ny fivavany.
"ny tanana izay nasandratro." Ny fanandratan-tanana dia sarinteny ho an'ny vavaka. Nanandra-tanana ny olona rehefa nivavaka na nidera an'i Yaveh. Jereo izay nandikanao ny manandratra ny tananao" ao amin'ny 134:1.
ho toy ny biby izay nodorana toe ambony alitara amin'ny alina. Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe te hanao izay hahafaly an'i Yaveh izy raha miaraka amin'ireo izay mianatitra biby hatao sorona izy. Tiany i Yaveh mba ho faly satria ny mpanao salamo mivavaka na noho ireo tenin'ny fivavany.
Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe gadra miezaka mandositra ny vavany ireo teny ratsy. DH: "miangavy re, vonjeo aho mba tsy hiteny ratsy"
"milazà olona mba hiambina"
Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe gadra miezaka mandositra ny vavany ireo teny ratsy. DH: "miangavy re, vonjeo aho tsy hilaza zavatra raha tsy tokony hiteny"
"hanao asa ratsy"
"sakafo manokana"
Ny mpanao salamo miteny ny fitenenana mafy toy ny hoe mamely mivantana olona iray. DH: "hiteny mafy ahy" (UDB) na "hamely ahy mba hihainoiko rehefa manitsy ahy izy"
"rehefa mamely ahy izy ireo, dia ho fantatro fa tso-po amiko ilay mamely ahy"
Ireo mety ho heviny dia ny mpanao salamo miteny toy ny hoe ny olona manitsy azy dia nanosotra diloilo teo amin'ny lohany 1) mba hanajana azy. DH: "rehefa manitsy ahy izy, dia ho fantatro fa manao asa tsara ho ahy ilay manitsy ahy" na 2) mba hahatsara ny lohany.
Ny loha dia fibangoan-teny ho an'ny olona. Ny fanalefahan-kevitra dia az adika ho fanambarana mihabo. DH: "hankasitraka izany amim-pifaliana anie aho"
Ny teny "asa ratsy" dia sarinteny ho an'ireo olona izay manao asa ratsy. DH: "mivavaka foana aho mba hampitsaharan'i Yaveh an'ireo olona ratsy fanahy amin'ny asa ratsin'izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "hisy olona hanjera ireo mpitarik'izy ireo" na 2) "Hanjera azy ireo ny mpitarik'izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "nanaparitahan'ny olona ny taolanay ho amin'ny toerana samihafa" na 2) vokatry ny nianjerana tao amin'ny hantsana 141:6) "simbasimba ny vatanay niparitadritaka ireo taolanay"
Ny maso dia fibangoan-teny ho an'ny tenan'ilay olona manontolo. DH: "mijery aho mba hizaha izay ho ataonao" na "manantena Anao aho hanavotra ahy"
"mangataka Aminao aho hiaro ahy" Jereo izay nandikanao ny "mialoka" ao amin'ny 118:8.
Ny fanahy dia sarinteny ho an'ilay olona manontolo.
Ny mpanao salamo miteny ny famitahana olona tsara iray mba hanotan'iny olona iny na mba hahafahan'ny olon-dratsy mandresy azy toy ny hoe namelatra fandrika ho an'ny biby. Ny teny "fandrika" dia sarinteny ho an'ireo olona tenany ihany. DH: "olona izay mitady fomba hanaovan-dratsy ahy"
Ny manam-pahaizana amin'ny Baiboly dia tsy miombon-kevitra amin'ny hevitra tena izy amin'ireo teny ireo. Ny tsara indrindra dia ny mandika ny iray amin'ireo amin'ny teny ho an'ny harato na zavatra izay misy ny haza sy ny hafaho kofehy na tady izay misambotra ny haza amin'ny tongony na tendany na ny mandika ireo roa ireo amin'ny fiteny amin'ny ankapobeny fotsiny ihany. Jereo ny fomba nandikana ireo teny ireo ao amin'ny 140:4.
"ny fandrika izay napetrak'ireo mpanao ratsy"
Ny mpanao salamo miteny ny olona ratsy fanahy mamitaka ny olona tsara fanahy toy ny mpihaza namandrika biby. DH: "Aoka ny ratsy fanahy ihany no ho lavo ao amin'ny harato izay nataony hisamborana olona hafa" na "Aoka ireo zava-dratsy nokasain'ny ratsy fanahy ho an'ny marina hitranga amin'ny ratsy fanahy ihany"
Maskilan'i Davida, raha tao anaty zohy izy; Fivavahana. 1 Amin'ny feoko no itarainako famonjena amin'i Yaveh; amin'ny feoko no iangaviako ny fankasitrahan'i Yaveh. 2 Harotsako eo anoloany fitarainako; lazaiko aminy ireo fahoriako. 3 Rehefa anaty ny fanahiko, dia Ianao mahalala ny lalako. Amin'ny lalana izay hizorako no nanafenan'izy ireo fandrika ho ahy. 4 Mijery ny ankavanako aho ary mahita fa tsy misy olona miraharaha ahy, tsy misy irika ho ahy; tsy misy olona miraharaha ny fiainako. 5 Niantso mafy Anao aho, ry Yaveh; ka nanao hoe: "Ianao no fialofako, anjarako eo amin'ny tanin'ny velona. 6 Henoy ny antsoko, fa ory loatra aho; vonjeo amin'ny mpanenjika ahy aho, fa mahery noho izaho izy ireo. 7 Avoahy ao amin'ny tranomaizina ny fanahiko mba hahafahako manolotra fisaorana ny anaranao. Hiangona manodidina ahy ny olo-marina satria Ianao no efa tsara tamiko."
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Izany dia mety ho manondro karazana mozika. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 32:1.
Toerana malalaka ambany tany ampy hivezivezen'ny olona"
Raha mitovy tanteraka ireo andalana roa ireo dia mety ho hevitra diso no azon'ny mpamaky, Azonao adika ho andalana iray ihany izany.
"Amin'ny fampiasana ny feoko"
Raha mitovy tanteraka ireo andalana roa ireo dia mety ho hevitra diso no azon'ny mpamaky, Azonao adika ho andalana iray ihany izany.
Ny mpanao salamo miteny ny fitantarana amin'i Yaveh ny antony mampalahelo azy toy ny hoe mandraraka ny rano rehetra avy amin'ny fitoerany. DH: "Holazaiko aminy avokoa ny antony mampalahelo ahy"
hilaza aminy ny amin'ny zava-drehetra izay mampanahy ahy"
"osa aho" na "kivy taneraka aho"
"Ianao mahalala ny lalana tokony alehako." Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe izay ataon'olona iray dia lalana izay nodiavin'izany olona izany hatramin'izay. DH: "Ianao mahalala ny lalana tokony hiainako"
Ny mpanao salamo miteny ny olona maniry hamely azy toy ny hoe mitady hamandrika biby. DH: "Izy ireo manao fikasana mba hahafahany mamely ahy amin'izay ataoko rehetra"
Ity dia sarinteny ho an'ny "izaho."
Ity dia antso vonjy. DH: "Niantso vonjy taminao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "no hany ilaiko" na 2) "no hany iriako" na 3) "no hany ananako"
"raha mbola velona koa aho"
Ity dia antso vonjy. Jereo izay nandikanao izany ai amin'ny 5:1. DH: "Henoy aho raha miantso vonjy aminao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ory loatra aho" ary 2) "osa tanteraka aho." Jereo ny nandikana ny "ambany tanteraka izahay" ao amin'ny 78:7.
Ity dia fangatahana. DH: "ento mivoaka ny fonja aho"
Ny teny "anarana" dia sarinteny ho an'ilay olona. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 5:11. DH: "hisaotra Anao"
Salamo nataon'i Davida. 1 Henoy ny fivavako, ry Yaveh; mihainoa ireo fangatahako. Nohon'ny fahatokianao sy ny fahamarinanao, dia mamalia ahy! 2 Aza tsaraina ny mpanomponao, satria eo imasonao dia tsy misy olo-marina. 3 Nanenjika ny fanahiko ny fahavaloko; nanenjika ahy hatrany ambanin'ny tany izy; nampitoetra ahy tao amin'ny fahamaizinana toy ireo izay maty efa ela izy. 4 Ketraka anaty ny fanahiko; mamoy fo aho. 5 Mahatsiaro ireo andro fahiny aho; misaintsaina ireo asanao rehetra aho; misaintsaina ireo zava-bitanao. 6 Mamelatra ny tanako ho Anao amin'ny vavaka aho; mangetaheta Anao ny fanahiko any amin'ny tany karakaina. Sela 7 Faingàna hamaly ahy, Yaveh o, fa reraka ny fanahiko. Aza manafina ny tavanao amiko, raha tsy izany dia ho lasa ho toy ireo izay midina any an-davaka aho. 8 Aoka ho reko ny famindram-ponao amin'ny maraina, satria matoky anao aho. Atoroy ahy ny lalana izay tokony halehako, fa manandratra ny fanahiko aminao aho. 9 Avoty amin'ireo fahavaloko aho, ry Yaveh; mandositra ho eny aminao aho mba hiery. 10 Ampianaro aho hanao ny sitraponao, fa Andriamanitro Ianao. Ny Fanahinao tsara anie hitarika ahy any amin'ny tanin'ny fahitsiana. 11 Ry Yaveh, noho ny amin'ny anaranao, hazomy ny fahavelomako; amin'ny fahitsianao ento miala amin'ny fahoriana ny fanahiko. 12 Amin'ny famindram-ponao esory ireo fahavaloko ary aringano ireo fahavalon'ny aiko rehetra, fa mpanomponao aho.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida no nanoratra ny salamo na 2) ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ny teny "ny fivavako" dia sarinteny ho an'ilay olona mivavaka. Jereo ny nandikana teny mitovy amin'io ao amin'ny 39:12. DH: "Henoy aho raha mivavaka aminao" na Meteza hanao izay angatahiko aminao hatao"
"miangavy aho hanao izay angatahiko aminao hatao"
"Aza mba mitsara" na "Miangavy Anao aho ny tsy hitsarana"
Ny mpanao salamo miteny ny tenany toy ny hoe miteny amin'olon-kafa. DH: "aho"
tsy mihevitra Izy fa misy marina"
"nihaza ahy mba hisamborana ahy"
"nandavo ahy tanteraka" (UDB)
"Osa aho" na "Kivy tanteraka aho"
"tsy manana fanantenana intsony aho"
Ny anarana "zava-bita" dia azo adika ho matoanteny "vita." DH: "izay rehetra vitanao" na "ireo zava-drehetra nataonao"
"Mivavaka aminao miaraka amin'ny tanana mivelatra"
Ny mpanao salamo miteny ny fitiavana te hiaraka amin'Andriamanitra toy ny hoe tany karankaina izy ary efa mby hofatin'ny hetaheta izy. DH: "Te hiaraka aminao aho tahaka ny olona iray mangetaheta rano fatratra any amin'ny tany karankaina."
Ny mpanao salamo maniry hahalala an'i Yaveh. Ny haben'ny faniriany hahalala an'i Yaveh dia tahaka ny olona iray mangetaheta fatratra. DH: "Maniry Anao fatratra aho"
Ny fanahy dia sarinteny ho an'ilay olona.
Tany izay maty avokoa ny zava-drehetra satria tsy misy rano.
Ity dia mety ho fomba fiteny ara-mozikaly izay milaza ny olona ny fomba fihirana na fitendrena ny zava-manenony eto. Misy amin'ireo fandikan-teny manoratra ny teny Hebreo, ary misy tsy manisy izany. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 3:1.
"osa aho" na "kivy tanteraka aho" (UDB)
Ity dia fangatahana. "Miangavy Anao aho, aza miafina amiko" na "Aza mba miafina amiko re"
Ny mpanao salamo miteny an'i Yaveh mandà ny hanao izay angatahan'ny mpanao salamo toy ny hoe Yaveh mandà na dia ny hijery ihany ny mpanao salamo aza. DH: "Aza mandà ny hihaino ahy" na "Mba henoy re aho"
"Ho tonga olona maty hafa tsotr'izao aho"
"Ataovy mandre ny famindramponao aho" na "Lazao ahy ny famindramponao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "amin'ny maraina," amin'ny fotoan izay heverin'ny olona maro fa tsara indrindra hivavahana, na 2) "isa-maraina," isan'andro.
"Lazao ahy"
Ny mpanao salamo miteny ny fomba fiaina toy ny hoe lalana izay alehan'izy ireo. DH: "ny fomba tianao hiainako"
Ireo mety ho heviny dia 1) "mivavaka aminao aho" na 2) "mino aho fa hitarika ahy sy hiaro ahy Ianao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "mandositra Anao aho mba ahafahako miery" ary 2) "mandositra Anao aho mba hanafenanao sy hiarovanao ahy."
"hanao izay tianao hataoko"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ampio aho hiaina amim-pahamarinana" na 2) "ho lavitry ny fahoriana anie ny fiainako"
Ireo mety ho heviny dia 1) izany dia sarinteny ho an'ny fiainana marina na 2) "tany marina," sarinteny ho an'ny fiainana lavitry ny fahoriana
"Ireo fahavalo te hisoko ny aiko"
"Asehoy amin'ny famongorana ireo fahavaloko ny famindramponao"
"ireo fahavalon'ny fanahiko" na, mikendry "ny aiko" ho sarinteny ho an'ny "aho," "ireo fahavaloko"
1 Ho deraina anie Yaveh, vatolampiko, izay nanofana ny tanako ho amin'ny ady ary ny ratsan-tanako ho amin'ny ady. 2 Ianao no fanekeko mahatoky sy fiarovana mafy ho ahy, fiarovana avo ho ahy sy ilay mamonjy ahy, ampingako sy fialofako, ilay mapietry ireo firenena eo ambaniko. 3 Yaveh o, inona izay olona no ho tsinjonao na ny zanak'olona no hiheveranao azy? 4 Toy ny fofon'aina ny olona; tahaka ny aloka mandalo ireo androny. 5 Sokafy ny lanitra ka midìna, ry Yaveh; kasiho ireo tendrombohitra ka ampanetrohy. 6 Andefaso tsela-pahazavana ka aparitaho ireo fahavaloko; mitifira amin'ny zana-tsipìkanao ka ento miverina amin'ny fifanjevona izy ireo. 7 Ahinjiro avy any ambony ny tananao; avoty aho hiala amin'ireo rano maro, amin'ny tanan'ireo olona hafa firenena. 8 Ny vavan'izy ireo miteny lainga, ary ny tanany havanana dia fitaka. 9 Hihira fihiram-baovao ho Anao aho, Andriamanitra o; amin'ny valiha tory folo no hihirako fiderana ho Anao, 10 izay manome famonjena ho an'ireo mpanjaka, izay namonjy an'i Davida mpanomponao tamin'ny sabatry ny ratsy. 11 Avoty ary afaho amin'ny tanan'ireo olona hafa firenena aho. Ny vavan'izy ireo miteny lainga, ary ny tanany havanana dia fitaka. 12 Ho toy ireo hazo maroroka anie ireo zanakay lahy amin'ny fahatanorany ary ireo zanakay vavy ho toy ny vato fehizoro voasokitra, miendrika toy ireo izay ao an-dapa. 13 Ny trano fitehirizanay anie ho feno ny karazam-bokatra rehetra, ary ny ondrinay anie hamokatra an'arivony sy an'aliny ao amin'ireo sahanay. 14 Dia hanan'anaka maro ireo ombinay. Tsy hisy olona hamaky ireo mandanay; tsy hisy sesi-tany ary tsy hisy fitomaniana eo amin'ny lalanay. 15 Voatahy ny olona izay manana an'izany fitahiana izany; sambatra ny olona izay manana an'i Yaveh ho Andriamaniny.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida no nanoratra ny salamo na 2) ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
Ireo mety ho heviny dia 1) "ilay miaro ahy" na 2) "ilay manome hery ahy"
Ny teny "tanana" sy "rantsan-tanana" dia fibangoan-teny ho an'ny "izaho." DH: "izay manazatra ny tanako ho amin'ny ady ary manazatra ahy ho amin'ny ady" na "izay manazatra ahy ho amin'ny ady"
"ilay mampiseho ahy famindrampo"
Ny mpanao salamo mampiasa karazana sarinteny mba hanamafisana fa hiaro azy i Yaveh.
Davida miteny an'i Yaveh toy ny hoe fiarovana mafy izay miaro azy amin'ny fanafihana. Yaveh no ilay miaro an'i Davida amin'ny ratsy.
Davida miteny an'i Yaveh toy ny hoe ampinga izay miaro ny miaramila. Yaveh no ilay miaro an'i Davida amin'ny ratsy. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 18:2.
Ny fankanesana any amin'i Yaveh ho fiarovana dia lazaina toy ny hoe mialoka ao aminy. DH: "ilay alehako mba hiarovany ahy"
"ilay mamela ahy handresy firenena hafa"
Ireo fanontaniana ireo dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Kely loatra ny olona ampitahaina amin'izay hafa rehetra nataonao ka dia taitra aho ny amin'ny hitsinjovanao ny olona ary ny hiheveranao ny zanak'olona"
Teny roa hilazana an'ny olombelona.
Ny mpanoratra mampitaha ny olombelona amin'ireo zavatra ireo mba hanamafisana ny hafohin'ny fiainan'izy ireo.
Ireo dia tokony ho adika ho fangatahana, fa tsy fandidiana akory, satria ny mpanao salamo mihevitra an'Andriamanitra ho lehibe mihoatra azy.
Ireo mety ho heviny dia 1) ampitomanio ny lanitra hisokatra na 2) aondreho tahaka ny sampan-kazo miondrika rehefa misy mamindra eo amboniny ny lanitra na tahaka ny olona manondrika ny tsipìka mialohan'ny andefasana zana-tsipìka.
"mba tsy hahalalan'izy ireo izay heverina na izay hatao"
Davida miteny toy ny hoe teo amin'ny tany ambony rano tondraka Andriamanitra ary nanana tanana tokoa ka afaka nisintona an'i Davida avy ao amin'ny tondra-drano. Ny tondra-drano dia sarinteny ho an'ireo fahoriana nataon'ireo "hafa firenena." DH: "Ianao izay afaka miasa, vonjeo aho handresy ireo fahoriako"
Eto ny "tanana" dia manondro ny fahefana. DH: "amin'ny fahefan'ireo hafa firenena"
"miteny lainga izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida miteny ny fombafomba amin'ny fananganana ny tanana ankavanana mba hianianana fa izay andeha holazain'ilay olona dia marina, na 2) ny "tanana ankavanana" dia sarinteny ho an'ny fahefana: "izay rehetra nananan'izy ireo, dia tamin'ny alalan'ny lainga avokoa"
Ireo mety ho heviny dia 1) "fihirana izay tsy mbola nohiraina tany aloha" na 2) "fihirana tsy mbola nohiraiko tany aloha."
"Anao. Fa Ianao no manome ... mpanjaka. Fa Ianao no namonjy"
Davida miteny ny tenany ho toy ny olon-kafa. "ahy, Davida, mpanomponao"
Davida miteny ny olon-dratsy toy ny hoe sabatra ampiasain'izy ireo ho fitaovam-piadiana. DH: "tamin'ny olona izay nitady hamono azy"
"Mba vonjeo aho ka avoty"
Eto ny "tanana" dia manondro fahefana. Adikao araka ny nandikanao ny 144:7 ireo teny ireo. DH: "amin'ny fahefan'ireo hafa fierenena"
"Miteny lainga izy ireo." Adikao araka ny nandikanao izany ao amin'ny 144:7 ireo teny ireo.
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida miteny ny fombafomba amin'ny fananganana ny tanana ankavanana mba hianianana fa izay andeha holazain'ilay olona dia marina, na 2) ny "tanana ankavanana" dia sarinteny ho an'ny fahefana: "izay rehetra nananan'izy ireo, dia tamin'ny alalan'ny lainga avokoa." Adikao araka izay nandikanao izany ao amin'ny 144:7 ireo teny ireo.
salama sy mafy
ny fotoana hitomboan'ny olona
"ireo zanakay vavy anie ho tahaka ny vato fehizoro voasokitra"
"andry tsara tarehy izay mihazona ny zoron'ny trano lehibe"
"andry izay voasokitra hahatsara endrika ny lapa"
"an'arivony—eny an'aliny mihitsy!—ary hameno ireo sahanay"
"Tsy hisy ho afa-mandositra amin'ny tanànanay"
"tsy hisy hitomany amim-panaintainana" na "tsy hisy hitalaho hanina" na "tsy hisy hiantsoantso rariny"
Salamo fiderana. Nataon'i Davida. 1 Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro, mpanjaka o; hankalaza ny anaranao aho mandrakizay doria. 2 Hankalazanao Anao isan'andro aho; hidera ny anaranao aho mandrakizay doria. 3 Lehibe Yaveh ary mendrika hoderaina indrindra; tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany. 4 Ny taranaka rehetra hidera ireo asanao amin'izay mandimby azy sy hanambara ireo asanao mahery. 5 Hisaintsaina ny lazan'ny voninahitrao sy ireo asanao mahagaga aho. 6 Hiteny momban'ny herin'ny fahatsaran'ireo asanao izy ireo, ary hanambara ny fahalehibiazanao aho. 7 Hanambara ny fitobahan'ny fahatsaranao izy ireo, ary hihira momban'ny fahamarinanao. 8 Miantra sy mpamindra-po Yaveh, tsy mora tezitra ary be famindram-po. 9 Tsara amin'ny rehetra Yaveh; manerana ny asany rehetra ny fiantràny. 10 Izay rehetra namboarinao dia hanolotra fisaorana ho Anao, ry Yaveh; ireo mahatokinao hisaotra Anao. 11 Ireo mahatokinao hanambara ny voninahitry ny fanjakanao, ary hilaza ny herinao izy ireo. 12 Hampahafantarin'izy ireo ny zanak'olombena ireo herin'ny asan'Andriamanitra sy ny hatsaran'ny famirapiratan'ny fanjakany. 13 Ny fanjakanao dia fanjakana maharitra mandrakizay, ary ny fanapahanao dia haharitra hatramin'ny taranaka rehetra. 14 Yaveh manohana izay rehetra lavo ary manangana izay rehetra mitanondrika. 15 Ny mason'ny rehetra miandry Anao; homenao azy ireo amin'ny fotoana mety ny haniny. 16 Mamelatra ny tananao Ianao ary mahafapo ny fanirian'ny zava-manan'aina rehetra. 17 Marina Yaveh amin'ny lalany rehetra ary mpamindrafo amin'izay ataony rehetra. 18 Akaikin'izay rehetra miantso Azy Yaveh, amin'izay rehetra miantso Azy amin'ny fahamendreham-pitokiana. 19 Manatanteraka ny fanirian'izay manaja Azy Izy; mandre ny fitarainan'izy ireo Izy ary mamonjy azy ireo. 20 Miambina izay rehetra tia azy i Yaveh, fa horavainy ireo rehetra ratsy fanahy. 21 Hanambara fiderana an'i Yaveh ny vavako; aoka ny olombelona rehetra hidera ny anarany masina mandrakizay doria.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Ity salamo ity dia fiderana izay nosoratan'i Davida"
"Hilaza amin'ny olona fa mahatalanjona Ianao"
Ny teny "anarana" dia sarinteny ho an'i Yaveh tenany mihitsy. Jereo ny nandikana ny "hoderaina anie ny anarany be voninahitra" ao amin'ny 72:18. DH: "hankalaza Anao" na "hanao izay mahafaly Anao"
Ny teny "anarana" dia sarinteny ho an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "hidera Anao" na "hilaza amin'ny olona fa lehibe Ianao"
"ireo zavatra vitanao satria mahery Ianao"
"hilaza amin'ny hafa fa tena tsara Ianao"
Ny mpanao salamo miteny ny famindrampo toy ny hoe zavatra hita maso izay hananan'ny olona betsaka.
"afaka mahita Azy mpampiseho fiantrana amin'izay rehetra ataony"
"Hisaotra Anao ny olon-drehetra nataonao" na "Ho toy ny hoe hisaotra Anao izay rehetra nataonao"
"mitoetra mandrakizay"
Ny mpanao salamo miteny an'i Yaveh mampahery olona toy ny hoe mamonjy olona izay tena ketraka. Azonao atao ny mandika ireo andalana roa ireo ho fehezanteny iray ihany. DH: "mampahery ireo izay kivy"
"Miandry ny rehetra"
"Mamatsy malalaka Ianao"
"manome mihoatra izay ilainy sy mihoatra izay irian'ny rehetra Ianao"
"Azon'ny ny olona zahana amin'izay rehetra ataon'i Yaveh fa marina Izy"
"ary mpamindrafo Izy amin'ny asany rehetra" na "Azon'ny ny olona zahana amin'izay rehetra ataon'i Yaveh fa mamindrafo Izy"
"aingam-piasa hamonjena izay mivavaka"
"amin'izay milaza ny marina irery ihany rehefa mivavaka" na "amin'izay atokisany rehefa mivavaka Izy ireo"
"hahita aho"
"hilaza amin'ny rehetra fa tsara Yaveh"
Ny teny "anarana" dia sarinteny ho an'i Yaveh tenany mihitsy. Jereo ny nandikana ny "hankalazaina anie ny anarany be voninahitra" ao amin'ny 72:18. DH: "aoka ny olona rehetra hidera Azy" na "aoka ny olon-drehetra hanao izay mahafaly Azy"
1 Miderà an'i Yaveh. Miderà an'i Yaveh, ry fanahiko. 2 Hanome fiderana ho an'i Yaveh aho amin'ny fiainako rehetra; hihira fiderana ho an'Andriamanitro aho raha mbola miaina koa. 3 Aza mametraka ny fitokianao amin'ireo andriana na ny olombelona, amin'izay tsy misy famonjena. 4 Rehefa mitsahatra ny fofon'ain'ny olona, dia hody amin'ny tany izy; amin'izany andro izany no tapitra ny fikasany. 5 Sambatra izay manana an'Andriamanitr'i Jakoba hanampy azy, izay manana fanantenana ao amin'i Yaveh Andriamaniny. 6 Nanao ny lanitra sy ny tany Yaveh, ny ranomasina, sy izay rehetra ao aminy; mitandrina fahamendreham-pitokiana mandrakizay Izy. 7 Manatanteraka fahamarinana ho an'ny nampahoriana Izy ary manome hanina ny noana. Manafaka ny gadra Yaveh; 8 Manokatra ny mason'ny jamba Yaveh; Manangana izay miankohoka i Yaveh; Yaveh tia ny olon-marina. 9 Yaveh miaro ny vahiny amin'ny tany; manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena izy, fa manohitra ny ratsy fanahy kosa. 10 Hanjaka mandrakizay Yaveh, Andriamanitrao, ry Ziona, amin'ny taranaka rehetra. Miderà an'i Yaveh.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Eto ny "fanahy" dia maneho ny anaty amin'ny mpanoratra. Ny mpanoratra mandidy ny anatiny mba hidera an'i Yaveh. Azo avadika ho fanambarana tsotra izany. DH: "Hidera an'i Yaveh amin'ny fanahiko rehetra aho" na "Hidera an'i Yaveh amin'ny fiainako rehetra aho"
"mandra-pahafatiko" na "raha mbola velona koa"
Eto ny "andriana" dia maneho an'ireo loholona rehetra.
Ny anarana "famonjena" dia azo adika ho "mamonjy." DH: "na amin'iza na amin'iza satria tsy afaka ny hamonjy anao izy ireo"
"amin'olona"
Ity dia fomba mihaja hanondroana olona hofaty. DH: "Rehefa maty ny olona iray"
Izany dia midika fa tahaka ny namoronan'Andriamanitra ny olombelona voalohany tamin'ny vovo-tany ihany, dia Adama izany, no hahatonga ny nofon'ny olona ho lo ka hody vovoka indray rehefa maty izy.
Ny teny "lanitra" sy "tany" dia maneho izay rehetra misy sy hita maso amin'izao tontolo izao.
Ny anarana "fahamarinana" dia azo adika ho mpamaritoetra. DH: "fahamarinana" na "mitoetra ho mahatoky"
"Manapakevitra tsara Izy" (UDB)
"ho an'ireo olona nampahoriana" na "ho an'ireo izay ampahorian'ny olona hafa"
"ny olona noana" na "an'ireo izay noana"
Ny mahatonga ny olona jamba ho mahiratra dia lazaina toy ny hoe Yaveh no nanokatra ny mason'ilay olona. DH: "mahatonga ny jamba hahiratra"
"olona jamba" na "ireo izay jamba"
Yaveh mamonjy olona iray dia lazaina toy ny hoe Izy mivantana mihitsy no manampy olona mba hijoro. DH: "Mamonjy an'ireo izay kivy Yaveh" na "Mamonjy an'ireo izay ketraka Yaveh"
Ity fihetsika ity dia mariky ny fahoriana na fisaonana.
Andriamanitra mamonjy olona iray dia lazaina toy ny hoe Izy mivantana mihitsy no mampitraka azy ireo.
Eto ny "Ziona" dia maneho ny vahoakan'Israely rehetra. Ny mpanoratra miteny amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe nandre azy ny vahoaka. DH: "Andriamanitrareo, ry vahoakan'Israely"
"hanjaka amin'ny taranaka rehetra" na "hanjaka mandrakizay"
1 Miderà an'i Yaveh, fa tsara ny mihira fiderana an'Andriamanitsika, mahafinaritra izany, ary mety ny midera. 2 Manangana an'i Jerosalema indray Yaveh, mampikambana ny vahoakan'Israely niely Izy. 3 Manasitrana ny torotoro fo izy ary mamehy ny ferin'izy ireo. 4 Manisa ireo kintana izy, ary manome anarana azy rehetra. 5 Lehibe ny Andriamanitsika ary mahagaga ny heriny, ny fahazavan-tsainy tsy azo refesina. 6 Manandratra ny ory Yaveh, ary mampietry ny ratsy fanahy amin'ny tany. 7 Mihirà ho an'i Yaveh amin'ny fisaorana, mihirà fiderana amin'ny lokanga ho an'Andriamanitsika. 8 Manarona ny lanitra amin'ireo rahona Izy ary manomana ranon'orana ho an'ny tany, mampaniry ny ahitra amin'ireo tendrombohitra. 9 Manome hanina ho an'ireo biby Izy ary an'ireo goaika tanora rehefa mitaraina ireny. 10 Tsy mahita sitraka eo amin'ny herin'ny soavaly izy, tsy mahazo fafinaretana amin'ny tanjaky ny tongotry ny olona Izy. 11 Yaveh dia mankasitraka ireo izay manaja azy, izay manantena ny famindram-pony. 12 Miderà an'i Yaveh, ry Jerosalema, miderà an'Andriamanitrao, ry Ziona. 13 Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, mitahy ireo zanakao eo aminao Izy. 14 Mitondra fanambinana ao anatin'ireo fari-taninao Izy, mahafapo anao amin'ny vary tritrika tsara Izy. 15 Mandefa ny didiny eo amin'ny tany Izy, ny didiny mihazakazaka mafy. 16 Manao ny oram-panala ho toy ny volon'ondry Izy, mampiely ny fanala toy ny lavenona izy. 17 Mizara ny havandra toy ny poti-javatra Izy, iza no hahazaka ny hatsiaka halefany? 18 Mandefa ireo didiny Izy ary mampiempo izany, mampitsoka ny rivotra ary mampikoriana ny rano izy. 19 Nambarany amin'i Jakoba ny teniny, ny didiny sy ireo lalà-mariny amin'Israely. 20 Tsy mba nanao toy izany tamin'ny firenen-kafa izy, ary ny amin'ireo didiny, dia tsy fantatr'izy ireo izany. Miderà an'i Yaveh.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"mahafinaritra ny mihira fiderana"
"mety ny midera" na "tsara ny midera"
Ny mpanoratra miteny ny alahelon'ny olona sy ny fahakivian'izy ireo toy ny hoe ratra amin'ny tenany ireo, ary miteny an'i Yaveh mampahery azy ireo toy ny hoe Izy manasitrana ireny ratra ireny. DH: "Mampahery an'ireo izay malahelo Izy ary manampy azy ireo amin'ny fahasitranan'ny ratra anatin'izy ireo"
"tsy misy maharefy ny fahazavan-tsainy" na "tsy misy fetra ny fahazavan-tsainy"
Ny mpanoratra miteny an'i Yaveh manome voninahitra an'ireo nampahoriana toy ny hoe Izy manandratra azy ireo amin'ny tany. DH: "Manome voninahitra ny ory Yaveh"
Ny mpanoratra miteny an'i Yaveh mahafa-baraka ny ratsy fanahy toy ny hoe Izy manery azy ireo handry amin'ny tany. DH: "mahafa-baraka ny ratsy fanahy Izy"
"amin'ny fitendrena lokanga"
"ary manome hanina ho an'ny goaika tanora raha mitaraina"
"raha miantsoantso"
"Tsy mahafaly azy ny soavaly matanjaka"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny "tongotra matanjaka" dia sarinteny izay maneho ny hafainganan'ny lehilahy iray raha mihazakazaka. DH: "lehilahy afa-mihazakazaka aingana" na 2) ny "tongotra matanjaka" dia maneho ny herin'ny tenan'ilay lehilahy manontolo. DH: "ny amin'ny tanjaky ny lehilahy"
Ny mpanoratra miteny amin'i Jerosalema, izay antsoina ihany koa hoe Ziona, toy ny hoe olona. Ireo anaran-tanàna dia sarinteny ho an'ny vahoaka monina ao. DH: "vahoakan'i Jerosalema ... vahoakan'i Ziona"
Ny andianteny "hidim-bavahadinao" dia maneho ny tanàna manontolo. Yaveh hanao an'i Jerosalema ho mandry fahalemana amin'ireo fahavalony. DH: "Fa miaro an'i Jerosalema Izy"
Ny mpanoratra miteny an'ireo izay monina ao Jerosalema toy ny hoe zanak'i Jerosalema. DH: "Mitahy ireo izay monina ao Jerosalema Izy"
"Mitondra fiadanana Izy." Ireo mety ho heviny dia 1) Yaveh mahatonga ny olona monina ao Jerosalema ho ambinina ara-pitaovana sy ara-bola 2) ny teny nadika ho "fanambinana" dia midika "fiadanana" ary Yaveh miaro an'i Jerosalema amin'ny fanafihan'ny fahavalo.
Ny mpanoratra mamaritra ny fandidian'Andriamanitra toy ny hoe iraka izay mikisaka malaky mba hizaràna hafatr'Andriamanitra.
Ireo dia manamafy fa tsotra aminy ny manatanteraka ireo zavatra ireo. Tsotra aminy ny manarona ny tany amin'ny orampanala tahaka ny olona iray mandrakotra zavatra amin'ny bodofotsy volon'ondry. Ary, tsotra aminy ny manal ny hatsiaka tahaka ny rivotra mitsoka lavenona.
Tsotra min'i Yaveh tahaka ny olona mampiely poti-mofo ny mapiely havandra. DH: "Mizara havandra mora foana Izy, tahaka ny hoe poti-javatra"
"Mandefa Izy"
ranomandry madinikakely izay milatsaka toy ny orana avy amin'ny habakabaka
Ny mpanoratra mampiasa ity fanontaniana ity mba hanamafisana fa sarotra ny miharitra ny toetrandro mangatsiaka izay ataon'i Yaveh. DH: "tsy misy afa-miaina amin'ny hatsiaka alefany."
Ny mpanoratra miteny ny fandidian'i Yaveh toy ny hoe irany. Ny teny "didy" dia azo adika ho matoanteny. DH: "Mandidy ny ranomandry hiempo Izy"
Ireo andalana roa ireo dia midika zavatra mitovy ary manamafy fa ho an'Israely irery ihany no nanomezany ny lalàny.
"nambarany tamin'Israely ny didy sy ireo lalà-mariny"
Ny teny "didy" sy "lalà-marina," ampiarahina amin'ny "teny" avy tamin'ny fehezanteny teo aloha, dia manondro ny lalàn'i Mosesy avokoa. Raha toa ka tsy misy teny samihafa amin'ireo fiteny ireo ny fiteninao, dia azonao akambana ho iray ireo andalana roa ireo, amin'ny fampiasana an'i "Jakoba" sy "Israely" ho an'ny vahoaka izay mandray an'ireo.
tsy mba fantatr'ireo firenen-kafa ny didin'i Yaveh.
1 Miderà an'i Yaveh. Miderà an'i Yaveh, ianareo any an-danitra; miderà Azy, ianareo any amin'ny avo. 2 Miderà azy, ry anjeliny rehetra; miderà Azy, ry miaramilany rehetra. 3 Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ry kintana mamiratra rehetra. 4 Miderà Azy, ry avo indrindra amin'ny lanitra ary ianareo rano izay eny ambanin'ny habakabaka. 5 Aoka hidera ny anaran'i Yaveh ireo, fa Izy no nanome ny didy, ary dia nohariana ireo. 6 Nampitoetra azy ireo mandrakizay doria Izy; Nomeny lalàna ireo ka tsy hiova mihintsy. 7 Miderà Azy ety an-tany, ianareo dragona sy lalin'ny ranomasimbe rehetra, 8 ny afo sy havandra, ny oram-panala sy ny zavona, ny rivo-mahery manatanteraka ny teniny. 9 Miderà Azy, ry tendrombohitra sy havoana rehetra, ry hazo mamoa sy sedera rehetra, 10 ry bibidia sy ny voafolaka, ireo zava-manan'aina izay mandady ary ireo voro-manidina. 11 Miderà an'i Yaveh, ry mpanjakan'ny tany sy ny firenena rehetra, ry andriana sy izay manapaka eo amin'ny tany, 12 ry tovolahy sy tovovavy, ny antitra sy ny tanora. 13 Aoka hidera ny anaran'i Yaveh ireo, fa ny anarany irery ihany no asandratra ary ny voninahiny hihitatra amin'ny tany sy ny lanitra. 14 Efa nanandratra ny tandroky ny olony ho fiderana ho an'ny olony mahatoky Izy, dia ny Israelita, ilay vahoaka akaiky Azy. Miderà an'i Yaveh.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
"Miderà an'i Yaveh, ianareo any an-danitra ... ianareo any amin'ny avo." Ireo andalana roa ireo dia mifanindry lalana, miaraka ain'ny teny "ny avo" izay mitovy dika amin'ny "ny lanitra" tao amin'ny andalana teo aloha.
Ny mpanoratra miteny amin'ny masoandro amam-bolana toy ny hoe olona ary mandidy azy ireo hidera an'i Yaveh. DH: "Miderà an'i Yaveh, ry masoandro amam-bolana, araka ny ataon'ny olona"
Ny mpanoratra miteny ny kintana mamiratra toy ny hoe olona ary mandidy azy ireo hidera an'i Yaveh. DH: "Miderà an'i Yaveh, ry kintana mamiratra, araka ny ataon'ny olona"
Ny andianteny "avo indrindra amin'ny lanitra" dia fomba fiteny izay manondro ny lanitra ihany. Ny mpanoratra miteny amin'ny lanitra toy ny hoe olona ary mandidy izany hidera an'i Yaveh. DH: "Miderà an'i Yaveh, ry lanitra avo indrindra, araka ny ataon'ny olona"
Ny mpanoratra miteny amin'ny "rano izay eny ambanin'ny habakabaka" toy ny hoe olona ary mandidy izany hidera an'i Yaveh. DH: "miderà Azy, ianareo ry rano izay ambanin'ny habakabaka, araka ny ataon'ny olona"
Ny mpanoratra miteny ny toerana ambonin'ny habakabaka izay hitehirizana rano ary izay hipoiran'ny ranon'orana.
Eto ny teny "anarana" dia maneho an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "Aoka ireo hidera an'i Yaveh"
Ireo mety ho heviny dia 1) "Nanome didy izay maharitra hatrany Izy" na 2) "nanome didy izay ho ankatoavin'izy ireo Izy."
"nanome," tahaka ny mpanjaka manome
Ity andianteny ity dia maneho ny zava-boahary rehetra izay miaina any amin'ny lalin'ny ranomasimbe. DH: "ny zava-mananan'aina rehetra any amin'ny lalin'ny ranomasimbe"
Ny mpanoratra miteny amin'ireo loza voajanahary toy ny hoe olona ary mandidy azy ireo hidera an'i Yaveh.
Ny andianteny "ny teniny" dia maneho izay nandidian'i Yaveh. DH: "ny rivo-mahery manatanteraka izay andidian'i Yaveh"
Ny mpanoratra manohy miteny amin'ireo zavatra izay tsy olombelona toy ny hoe olona ary mandidy azy ireo hidera an'i Yaveh.
Ny teny "dia" sy "folaka" dia mifanohitra. Mibango ny biby rehetra ireo raha ampiarahina. DH: "ny biby rehetra"
Ny mpanoratra mandidy ny olon-drehetra hidera an'i Yaveh.
Ny teny "firenena" dia maneho an'ireo vahoaka monina ao amin'ireo firenena ireo. DH: "vahoaka amin'ny firenen-drehetra"
Ny mpanoratra mampiasa fampisainana roa, ny iray mahakasika ny maha vehivavy sy lehilahy ary ny iray mahakasika ny taona, mba hanehoana ny olon-drehetra.
Eto ny teny "anarana" dia maneho an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "an'i Yaveh izy ireo,fa Izy irery ihany"
Ny mpanoratra miteny ny fahalehibiazan'i Yaveh ho ny voninahiny avo ambonin'ny tany aman-danitra.
Ny mpanoratra miteny ny tanjaka toy ny hoe tandroka biby iray izany. Ny fanandratana tandroka biby dia mari-pamantarana izay maneho ny fandresena ara-miaramila. DH: "Efa nampatanjaka ny vahoakany Izy" na "Efa nanome fandresena ho an'ny vahoakany Izy"
"mba hidera Azy ny mahatokiny rehetra"
Ny mpanoratra miteny an'i Yaveh mitia ny vahoakany toy ny hoe akaiky azy mivantana ny vahoakany. DH: "ny vahoaka tiany"
1 Miderà an'i Yaveh. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Yaveh; mihirà fihirana ho Azy ao amin'ny fiangonan'ireo olona mahatoky. 2 Aoka ny Israely hifaly amin'ilay nanao azy ireo; aoka ny olon'i Ziona hifaly amin'ny mpanjakan'izy ireo. 3 Aoka izy ireo hidera ny anarany amin'ny dihy; aoka izy ireo hihira fiderana ho azy amin'ny ampongatapaka sy harpa. 4 Fa Yaveh dia mankasitraka ny olony; mankalaza ny mpanetry tena amin'ny famonjena Izy. 5 Aoka ny olona masina hifaly amin'ny fandresena; aoka hihira fifaliana ao am-pandriany izy ireo. 6 Ho amin'ny vavan'izy ireo anie ny fiderana an'Andriamanitra ary ny sabatra roa lelana ho eo an-tanany 7 mba hanatanterahana valifaty amin'ireo firenena maro sy fihetsika manafay ny olona. 8 Hamatotra ny mpanjakany amin'ny rojo izy ireo ary ny manan-kaja amin'ny rojovy. 9 Hampihatra ny fitsarana izay voasoratra izy ireo. Izany dia ho voninahitra ho an'ny olony mahatoky rehetra. Miderà an'i Yaveh.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ny mpanao salamo miteny amin'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra, mba hampiasanao ny endrika fandidiana olona maro raha iray ihany no misy amin'ny fiteninao.
Ireo mety ho heviny dia 1) "hira izay tsy mbola nohirainao hatrizay" na 2) hira izay tsy mbola nohirain'iza na iza hatrizay.
"miderà Azy amin'ny fihirana"
Ireo mety ho heviny dia 1) "hifaly satria Izy no nahary azy ireo" na 2) "hifaly satria tsara Ilay nahary azy ireo."
Ny teny "mpanjakan'izy ireo" dia mety ho fanondroana an'Andriamanitra. Ireo mety ho heviny dia 1) "hifaly satria Izy no mpanjakan'izy ireo" na 2) "hifaly satria tsara ny mpanjakan'izy ireo."
Ny teny "anarana" dia sarinteny ho an'i Yaveh tenany mihitsy. DH: "miderà Azy" na "lazao amin'ny olona ny fahalehibiazany"
Zavamaneno misy lohany tahaka ny amponga izay dobohana ary misy vy kely maromaro manodidina ny sisiny ka maneno rehefa ahozongozona ilay zavamaneno.
"manome voninahitra ny manetry tena amin'ny fanavotana azy ireo amin'ireo fahavalony"
"na dia mandry andeha hatory amin'ny alina aza"
Ny vava dia sarinteny ho an'ilay olona manontolo. DH: "Ho vonona mandrakariva anie izy ireo mba hidera an'Andriamanitra"
Raha toa ka tsy misy mahalala ny sabatra, dia mampiasà anarana fitaovam-piadiana misy eo eto an-toerana. Ny teny "sabatra" dia sarinteny ho an'ny fahavononana hiady anaty ady. DH: "ho vonona mandrakariva anie izy ireo mba hiady ho Azy"
Ny andianteny "ireo firenena" dia sarinteny ho an'ny vahoaka monina ao amin'ireo firenena. DH: "ny vahoakan'ireo firenena"
Ireo dia vita amin'ny vy mavesatra ary mametra ny fihetsiky ny gadra.
rojo anankiroa na fatotra misy rojo vita amin'ny vy eo anelanelany ka mametra ny fihetsiky ny tanana sy tongotr'olona iray.
manatanteraka izay nampanoratan'i Yaveh an'i Mosesy fa tokony hataon'ny vahoaka amin'ireo izay meloka.
1 Miderà an'i Yaveh. Miderà an'Andriamanitra ao amin'ny fioterany masina; miderà Azy eny amin'ny habakabaka mahery. 2 Miderà azy amin'ny asany mahery, miderà azy amin'ny fahalehibiazany mihoapapana. 3 Miderà Azy amin'ny fitsofana anjomara; miderà Azy amin'ny lokanga sy ny harpa. 4 Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy; miderà Azy amin'ny valiha sy ny sodina. 5 Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno; miderà Azy amin'ny feo mafin'ny kipantsona maneno. 6 Aoka izay rehetra manam-pofon'aina hidera an'i Yaveh. Miderà an'i Yaveh.
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
Ity dia miompana tanteraka amin'ny fiderana izay fankalazana mahazatra indrindra atao ao am-piangonana.
Ny tempolin'Andriamanitra matetika dia notondroina ho ny fitoerany masina. Ity no toerana nahazatra indrindra naleha mba hanompoana an'Andriamanitra.
"ireo zava-dehibe nataony." Ny asa maherin'Andriamanitra dia mety ho midika 1) ara-boajanahary toy ny tafio-drivotra arahin-kotroka sy horohorotany na 2) fahagagana toy ny fanasitranana sy fandresena lehibe anaty ady.
Ity fizarana ity dia miompana amin'ny fiderana na fankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavamaneno sy dihy.
Zavamaneno misy lohany tahaka ny amponga izay dobohana ary misy vy kely maromaro manodidina ny sisiny ka maneno rehefa ahozongozona ilay zavamaneno.
Vy boribory fisaka sy manify anankiroa izay ampifampikasokasohana mba hanome feo mafy
Ity andininy ity dia mihoatra ny fiafaran'ity salamo ity. Ity no fanambarana fanakatonana ho an'ny boky fahadimy amin'ny Salamo, izay manomboka amin'ny Salamo 107 ka mifarana amin'ny Salamo 150.
Ireo mety ho heviny dia 1) tokony hidera an'Andriamanitra ny olombelona rehetra na 2) tokony hidera an'Andriamanitra ny voahary mbola velona rehetra.
1 Ireo ohabolan'i Solomona zanak'i Davida, mpanjakan'Israely. 2 Ireto ohabolana ireto dia natao mba hampianatra fahendrena sy torolalana, hampianatra ireo tenin'ny fahalalana, 3 hahazoanao torolalana mba hiaina amin'ny fanaovana ny marina, rariny, ary ny hitsiny. 4 Ireto ohabolana ireto ihany koa dia natao hanome fahendrena ho an'ny kely saina, ary hanome fahalalana sy fahamalinana ho an'ny tanora. 5 Aoka ny olon-kendry hihaino ka hampitombo ny fahalalany, ary aoka ny olona mahay manavaka hahazo tari-dalana, 6 mba hahatakatra ireo ohabolana, ireo oham-pitenenana, sy ny tenin'ny olon-kendry mbamin'ireo ankamantany. 7 Ny tahotra an'i Yaveh no fiandoham-pahalalana— ny adala manamavo ny fahendrena sy ny fampianarana. 8 Ry zanako, henoy ny fampianaran-drainao ary aza miala amin'ny fitsipiky ny reninao; 9 ho fehiloha tsara tarehy ho an'ny lohanao ireny ary rado mihantona eo amin'ny tendanao. 10 Ry zanako, raha mitady haningotra anao ho amin'ny fahotan'izy ireo ny mpanota, dia aza manaiky hanaraka azy. 11 Raha hoy izy ireo hoe: "Avia hiaraka aminay, andeha isika hanotrika hamono olona, andeha isika hiafina ka hamely olona tsy manan-tsiny amin'ny tsy misy antony. 12 Andeha hatelintsika velona ireny, tahaka ny fakàn'ny Fiainan-tsy Hita ireo izay salama, ary hanao azy ireo ho toy ireo izay milatsaka an-davaka. 13 Ho hitantsika ireo karazan-javatra sarobidy rehetra; ho fenointsika amin'izay hangalarintsika amin'ny hafa ny tranontsika. 14 Atsipazo miaraka aminay ny filokanareo; hanana poketra iray ihany isika rehetra." 15 Ry zanako, aza mandeha midina amin'izany lalana izany miaraka amin'izy ireo; aza avela hikasika izay halehany ny tongotrao; 16 mihazakazaka ho amin'ny ratsy ny tongony ary maika handatsa-drà izy ireo. 17 Fa tsy misy dikany ny hamelarana harato hamandrihana vorona raha mitazana ilay vorona. 18 Mikotrika hamono ny tenany ihany ireny olona ireny— manao vela-pandrika ho an'ny tenany izy ireo. 19 Toy izany koa ny lalan'ny olona rehetra izay mahazo harena amin'ny tsy rariny; ny harena azo amin'ny tsy rariny manaisotra ny ain'ireo izay mifikitra amin'izany. 20 Mivazavaza eny an-dalana ny fahendrena, mampiakatra ny feony eny ankalamanjana izy; 21 eny amin'ireo loha-lalana mikotaba no hitabatabany, eny amin'ny fidirana eny amin'ny vavahadin'ny tanàna no hitenenany hoe: 22 "Ho mandra-pahoviana, ianareo ry olona kely saina, no hitia ny habadoana? Ho mandra-pahoviana, ianareo ry mpandrabiraby, no hankamamy ny fandrabirabiana, ary ho mandra-pahoviana, ianareo ry adala, no hankahala ny fahalalana? 23 Tandremo tsara ny fananarako; hararako aminareo ny fihevitro; hataoko fantatrareo ny teniko. 24 Efa niantso aho, ary nandà ny hihaino ianareo; naninjitra ny tanako aho, saingy tsy nisy niraharaha. 25 Fa nodianareo fanina ny fampianarako rehetra ary tsy nohenoinareo ny fananarako. 26 Hihomehy ny lozanareo aho, handatsa anareo aho rehefa tonga ny horohoro— 27 rehefa tonga tahaka ny tafiotra ny fandringanana mampatahotra ary mifaoka anareo tahaka ny tadio ny loza, rehefa tonga aminareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana. 28 Dia hiantso ahy izy ireo, fa tsy hamaly aho; hiantso ahy fatratra izy ireo, fa tsy hahita ahy. 29 Satria mankahala fahalalana izy ireo ary tsy nifidy ny tahotra an'i Yaveh, 30 tsy nanaraka ny fampianarako izy ireo, ary nanamavo ny fananarako rehetra. 31 Hihinana ny vokatry ny lalany izy ireo, ary ny vokatry ny teti-dratsin'izy ireo no hameno azy. 32 Fa voavono ny kely saina rehefa mivily, ary hamotika azy ny tsy firarahian'ny adala. 33 Fa na iza na iza mihaino ahy dia hiaina am-pilaminana ary ho voaaro tsy hatahotra loza."
Tononkalo ny andininy faha 2-33.
Azo amboarina io teny io mba ho azo ambara amin'ny endrika mpamari-toetra na matoanteny ny teny hoe "fahendrena" sy "torolalana". DH: "hampianatranao mba ho hendry ary hanoro lalana anao ny amin'ny fomba hiainanao fiainana ara-moraly"
Eto ny teny hoe "teny" dia maneho hafatra na fampianarana. DH: "hanampy anao hahatakatra fampianarana hendry"
Eto ny hoe "-nao" dia manondro ireo mpamaky. Raha mazava kokoa amin'ny fiteninao izany dia azonao ambara amin'ny endrika mampiditra ny rehetra hoe "isika." DH: "hahazoantsika"
Azo amboarina io teny io mba ho azo ambara amin'ny endrika matoanteny ny teny hoe "torolalana". DH: "mba ho voatoro lalana amin'ny fomba fiaina"
Azo amboarina io teny io mba ho azo ambara amin'ny endrika mpamari-toetra "hendry" ny teny hoe "fahendrena." DH: "ihany koa dia natao hampianatra ireo izay kely saina mba ho hendry"
"tsy manan-traikefa, tsy matotra"
Azo lazaina amin'ny endrika matoanteny ny teny hoe "fahalalana" sy "fahamalinana." DH: "ary hampianatra ny tanora izay mila fantariny sy ny fomba fanavahana ny zavatra mety tokony hatao"
fahafantarana izay tokony hatao amin'ny toe-javatra iray manokana
"Aoka ireo izay hendry hihaino ary hianatra bebe kokoa aza"
"aoka ny olona izay manana fahazavan-tsaina hianatra ny fomba fandraisana fanapahan-kevitra tsara amin'ireto ohabolana ireto"
fiteny izay aorian'ny fisaintsainana izany ihany vao takatry ny olona iray
Mampianatra ny zanany ny ray iray
Ny teny hoe "tahotra," "fiandohana," ary "fahalalana" dia azo ambara amin'ny endrika matoanteny. DH: "Aoka ianao hatahotra an'i Yaveh aloha mba hahafahanao manomboka mahalala izay hendry" na "Aoka ianao hanome voninahitra sy hanaja an'i Yaveh aloha mba hahafahanao mianatra izay hendry"
Izany no anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ireo olona tao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejin'ny Teny ao amin'ny fandikan-teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba fandikana izany.
"ireo izay tsy manome lanja izay hendry sy mety ahazoana fampianarana dia adala"
Io dia fomba fiteny izay midika hoe "aza odiana fanina" na "aza mandà"
Ireo fitsipika sy fampianarana izay ampianarin'ny ray aman-dreny ny zanany dia tena sarobidy tokoa hany ka ambara toy ny hoe fehiloha na rado izay anaovan'ny olona iray izany. DH: "Hahatonga anao ho hendry ireo tahaka ny fehiloha eo an-dohanao na rado manodidina ny tendanao izay mahatonga anao ho tsara tarehy"
Boribory voatenona vita amin'ny ravin-kazo na voninkazo
firavaka anaovana manodidina ny tenda
"mitady handresy lahatra anao hanota tahaka ny ataon'izy ireo"
"lavo izy ireo" na "aza mihaino azy ireo"
Eto ilay miteny dia manome ohatra ny amin'ny izay mety hiezahan'ny mpanota hisintonana ny olona iray mba hataony.
"miafina sady miandry ny fotoana mety"
Ny andininy faha 12-14 no mamarana ilay filazana momba ireo mpanota mitady haningotra ny hafa mba hanota izay nalaina sary an-tsaina.
Ireo mpanota dia miresaka momba ny famonoana olona tsy manan-tsiny tahaka ny hoe Fiainan-tsy Hita izy ireo ary hitondra ny olona velona sady matanjaka hidina any amin'ny toerana izay alehan'ny maty.
Ity dia mireska momba ny fasana tahaka ny hoe olona izay mitelina olombelona ary mitondra azy ireo midina any amin'ny fitoeran'ny maty.
Ireo rasty fanahy dia miandry ny hamotika ireo hazany tahaka ny fomba fakan'ny Fiainan-tsy Hita, izay fitoeran'ny maty, na ireo olo-matanjaka aza.
Ireo mety ho heviny dia 1) maneho ireo mpandeha milatsaka anaty lavaka lalina izay tsy hisy hahita azy ireo mihitsy izany na 2) eto ny "lavaka" dia teny iray hafa izay midika hoe Fiainan-tsy Hita na ny toerana izay alehan'ireo olona maty.
Fomba fiteny io. DH: "Andao hiaraka aminay"
Eto ny "poketra" dia maneho ny zavatra rehetra izay angalarin'izy ireo. DH: "ho zaraintsika mitovy izay rehetra angalarintsika''
kitapo fitondrana vola
Ny fialana amin'ny fitondran-tena tahaka ny ataon'ireo mpanota dia resahina toy ny hoe tokony miala amin'ny fandehanana na ny fikasihana ny lalana izay alehan'ny mpanota mihitsy ilay zanaka. DH: "aza mandeha miaraka amin'ny mpanota na manao izay ataony"
Ireo mpanota manana fahalinana fatratra amin'ny fanaovan-dratsy dia resahina toy ny hoe miazakazaka makany amin'ny ratsy izy ireo. DH: "maniry fatratra ny hanao zavatra ratsy izy ireo"
Eto ny "tongotra" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "mihazakazaka izy ireo"
Eto ny "rà dia maneho ny ain'olona iray. Ny "mandatsa-drà" dia midika hoe mamono olona iray.
Ity no fanombohan'ny fampitahana izay mifarana ao amin'ny 1:8. Mampitaha ny fahendren'ny vorona izay miala amin'ny fandrika izay hitany amin'ny fahadalan'ny mpanota izay voan'ny fandrika ataony an'ny tenany izany.
Ity no mamarana ny fampitahana izay niantomboka tao amin'ny 1:15. Ny olona izay manimba tena amin'ny fanaovana zavatra feno fahotana dia resahina toy ny hoe mamelatra fandrika izy ireo ary mamono ny tenany ihany. DH: "Fa ireny olona ireny dia adala mihoatra ny vorona. Mamono ny tenany amin'ny fandriny ihany izy ireo"
Ny anjara na lahatry ny olona iray dia resahina toy ny hoe lalana izay alehan'ny olona. DH: "Izao no mahazo ny olona rehetra"
Ny olona izay manimba tena aminy fiezahana hahazo harena amin'ny herisetra, halatra, ary fitaka dia resahina toy ny hoe hahafaty ireo izay maka azy ilay harena azo amin'ny tsy rariny. DH: "tahaka izany dia hamotika ireo izay mifikitra aminy ny harena azo amin'ny tsy rariny"
Ao amin'ny 1:20-1:33 ny Fahendrena dia resahina toy ny hoe vehivavy miresaka amin'ny olona.
Raha tsy mamela anao handray ny fahendrena tahaka ny vehivavy mihiakiaka amin'ny vahoaka ao amin'ny tanàna ny fiteninao, dia afaka manandrana zavatra tahaka ny hoe "Nenibe Fahendrena mihiakiaka" na "Ramatoa Fahendrena Hajaina mihiakiaka" na "Ny Fahendrena dia tahaka ny vehivavy izay mihiakiaka" ianao.
Fomba fiteny io. DH: "miteny amin'ny feo mafy"
Toerana izay feno olona no dikan'izany. DH: "eny an-tsena" na "eny afovoan'ny tanàn-dehibe"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny "loha" dia entina ilazana kihon-dalana izay ifanenan'ny lalana hipoka na 2) ny "loha" dia entina ilazana ny ny tampon'ny manda izay ahafahan'ny olona eny amin'ny lalana mikotaba mahita sy mandre ny fahendrena miresaka.
Ampiasain'ny fahendrena io fanontaniana io mba hananarana ireo izay tsy hendry. DH: "Tsy maintsy mitsahatra mitia fahabadoana ianareo izay kely saina''
"tsy manan-traikefa, tsy matotra''
Mampiasa io fanontaniana io ny Fahendrena mba hananarana ireo mpandrabiraby sy adala. DH: "Tsy maintsy atsahatrareo izay mandrabiraby ny fankamamiana fandrabirabiana, ary tsy maintsy atsahatrareo adala ny fankahalana fahalalana"
Manohy miresaka ny Fahendrena.
"Henoy tsara"
Ny fahendrena izay milaza izay heveriny amin'ny olona dia resahina toy ny hoe tsiranoka izay hararany ny fiheviny.
Eto ny "teny" dia maneho ny eritreritra. DH: "Hambarako aminareo izay eritreritreretiko"
Ity andian-teny ity dia fomba fiteny izay midika hoe misarika na manasa olona iray mba ho avy. DH: "nanasa anareo hankeo amiko aho"
Manohy miresaka ny Fahendrena, amin'ny famaritana izay hanjo ireo izay tsy miraharaha azy.
Azo ambara miaraka amin'ny teny hoe "noho izany" io mba hampisehoana fa ilay fahendrena vavy dia mihomehy azy ireo satria tsy niraharaha azy. DH: "Noho izany dia hihomehy aho"
"rehefa misy zava-dratsy manjo anareo"
Ny anarana hoe "horohoro" dia azo ambara amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "rehefa mihorohoro ianareo"
Ny zavatra mahatsiravina manjo ny olona dia ampitahaina amin'ny tafiotra mamely azy ireo ka mahatonga tahotra sy fahoriana.
tafio-drivotra mahery izay mahatonga faharavana
Manohy miresaka ny Fahendrena.
"Dia hihiakiaka famonjena amiko ireo izay tsy niraharaha ahy"
Ny anarana hoe "fahalalana" dia azo ambara amin'ny endrika matoanteny hoe "mianatra." DH: "Satria nandà tsy hianatra ny ho hendry izy ireo"
Ny anarana hoe "tahotra" dia azo ambara amin'ny endrika matoanteny. DH: "tsy natahotra an'i Yaveh" na "tsy nanome voninahitra sy nanaja an'i Yaveh"
"tsy nanaiky ny fampianarako" na "nandà ny toro-hevitro"
Mamarana ny fanambaran'ny fahendrena izay nanomboka tao amin'ny 1:20 ny andinin'ny faha 33.
Eto ny toetran'ny olona dia resahina toy ny hoe lalana na arabe. Ary koa, ny olona mandray ny vokatry ny fitondran-tenany dia resahina toy ny hoe mihinana ny vokatry ny fitondran-tenany ilay olona. DH: "miaina ny voka-dratsin'ny asany"
"hihinana ny vokatry ny teti-dratsiny izy ireo mandra-pahavokiny." Ny olona mandray ny voka-dratsin'ny teti-dratsiny ihany dia resahina toy ny hoe mihinana ny vokatry ny tetiny izy ireo. DH: "hizaka ny voka-dratsin'ny teti-dratsiny ihany"
"tsy manan-traikefa, tsy matotra"
Ny olona mandà fahendrena dia resahina toy ny hoe miala amin'ny fahendrena ara-batana ilay olona. Azo atao hoe DH: "ho faty satria mandà tsy hianatra"
Ny anarana hoe "firarahiana" dia azo atao amin'ny endrika matoanteny. DH: "ho faty ny adala satria tsy miraharaha izay tokony ho atao"
tsy fahampian'ny fiheverana momba ny zavatra iray
1 Ry zanako, raha mandray ny teniko ianao ary raketinao ao aminao ireo didiko, 2 dia aoka ny sofinao hitandrina tsara ny fahendrena ary atongilano ho amin'ny fahazavan-tsaina ny fonao. 3 Raha mihiakiaka ho amin'ny fahazavan-tsaina ianao ary mampiaka-peo ho amin'izany, 4 raha mitady izany tahaka ny hitadiavanao volafotsy ianao ary mitady ny fahazavan-tsaina tahaka ny fitady harena miafina, 5 dia ho fantatrao ny tahotra an'i Yaveh ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra. 6 Fa manome fahendrena i Yaveh, avy amin'ny vavany no hiavian'ny fahalalana sy fahazavan-tsaina. 7 Mitahiry ny fahendrena tsara ho an'ireo izay ankasitrahany Izy, Izy no ampingan'ireo izay mandeha amin'ny fahitsiana, 8 miambina ireo lalan'ny rariny Izy ary hiaro ny lalan'ireo izay mahatoky Azy. 9 Dia ho tsapanao ny fahamarinana, ny rariny, sy ny hitsiny, ary ny lalana tsara rehetra. 10 Fa hiditra ao am-ponao ny fahendrena, ary hahafinaritra ny fanahinao ny fahalalana. 11 Hiaro anao ny fahamalinana, ary hiambina anao ny fahazavan-tsaina. 12 Hanavotra anao amin'ny lalan-dratsy ireo, amin'ireo izay miteny zava-dratsy, 13 izay mandao ireo lalan'ny fahamarinana ary mandeha amin'ny lalan'ny fahamaizinana. 14 Mifaly izy ireo rehefa manao ratsy ary finaritra amin'ny fahavetavetan'ny ratsy. 15 Manaraka lala-meloka izy ireo, ary nampiasa ny fitaka hanafenana ny lalany. 16 Fahendrena ary fahamalinana no hanavotra anao amin'ny vehivavy janga, amin'ny vehivavy ratsy fitondran-tena sy ny teniny mandoka. 17 Mahafoy ny sakaizan'ny fahatanorany izy ary manadino ny fanekeny tamin'ny Andriamaniny. 18 Fa ny tranony mitarika amin'ny fahafatesana ary ireo lalany hitondra anao ho amin'ireo izay any am-pasana. 19 Izay rehetra miditra ao aminy dia tsy hiverina intsony ary tsy hahita ny lalan'ny fiainana izy ireo. 20 Dia handeha amin'ny lalan'ny olona tsara ianao ary hanaraka ireo lalan'ny olo-marina. 21 Fa ireo manao ny marina no hanao fonenana eo amin'ny tany, ary ireo tsy mivadika no hitoetra ao amin'izany. 22 Fa ny ratsy fanahy hofongorona eo amin'ny tany, ary ny tsy manam-pinoana hofongorona eo amin'izany.
Mampianatra ny zanany amin'ny fampiasana hai-kanto ny ray iray.
Eto ny "teny" dia entina ilazana fampianarana. DH: "raha mihaino izay ampianariko anao ianao"
Ity no manomboka ny fitohitohizan'ny fanambarana misy fepetra izay mifarana ao amin'ny 2:5. Raha tsotra kokoa amin'ny fiteninao, dia azonao atao ny mandika ireo fanambarana mamepetra ireo amin'ny endrika fandidiana tahaka ny ao amin'ny UDB.
Ny fanomezan-danja izay andidiana dia resahina toy ny hoe harena ireo didy ireo ary toerana azo antoka hitehirizana ilay harena ilay olona.
Raha nadikanao tamin'ny endrika fandidiana ny 2:1, dia azonao adika amin'ny endrika fandidiana ny 2:2, tahaka ny ao amin'ny UDB. Na, raha nadikanao tamin'ny endrika fanambarana misy fepetra ny 2:1, dia azonao adika amin'ny endrika fanambarana misy fepetra ihany koa ny 2:2. DH: "raha asainao mitandrina fahendrena ny sofinao ary atongilaninao ho amin'ny fahazavan-tsaiina ny fonao"
Fomba fiteny io. DH: "tereo hihaino tsara ny tenanao"
Io anarana io dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra io. DH: "mihaino ireo zavatra hendry ampianariko aminao"
Eto ny "fo" dia entina ilazana ny fisainan'ny olona. Ny andian-teny hoe "atongilano...ny fonao" dia fomba fiteny izay midika hoe hanao na hianolotra tanteraka ny sain'ny olona ho amin'ny asa iray. DH: "miezaha mafy hahatakatra izy hendry" (UDB) na "atolory feno ho amin'ny fahatakarana ny fampianarana hendry ny tenanao"
Samy mitovy hevitra ireo fanambarana ireo. Ny hevitra ambadik'izany dia hoe mangataka fahazavan-tsaina mafy amin'i Yaveh ilay olona. DH: "Raha mangataka faingana amin'Andriamanitra ianao ary mitalaho fahazavan-tsaina"
Ity no manohy ny fitohitohizan'ny fanambarana misy fepetra izay nanomboka tao amin'ny 2:1. Raha nadikanao tamin'ny endrika fandidiana ny 1:1-2, dia tokony hadikanao amin'ny endrika fandidiana ihany koa ireo tahaka ny ao amin'ny UDB.
Io dia fomba fiteny izay midika hoe miteny mafy na mihiakiaka.
Samy mitovy hevitra ireo fanambarana ireo. Ireo fampitahana ireo dia manindry ny ezaka lehibe izay tokony hataon'ny olona mba hahatakatra izay hendry. DH: "raha mitady fahazavan-tsaina amin'ny ezaka mafy tahaka ny fitadiavanao zava-tsarobidy ianao"
Ny fiezahana mafy dia mafy hahatakatra izay hendry dia resahina toy ny hoe zavatra izay tsy maintsy tadiavin'ny olona ny fahazavan-tsaina.
Ny fahombiazana amin'ny fahafantarana an'Andriamanitra dia atao toy ny hoe zavatra izay hitan'ny olona taorian'ny fitadiavany izany ny fahalalana an'Andriamanitra ny firesahana .
Eto ny "vava" dia manondro an'i Yaveh tenany na izay lazainy. DH: "avy amin'i Yaveh no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina" na "Yaveh no milaza amintsika izay mila fantarintsika sy takarintsika"
Toy ny hoe zavatra izay tehirizin'Andriamanitra ary omeny ny olona ny fahendrena raha ny firesaka an'i Yaveh mampianatra fahendrena. DH: "mampianatra izay tena hendry amin'ireo ankasitrahany Izy"
"azo iankinana"
Ny fahafahan'i Yaveh miaro ny olony dia resahina toy ny hoe ampinga Izy. DH: "Andriamanitra dia miaro ireo"
Ny olona mitondra-tena amin'ny fahitsiana dia mandeha amin'ny fahitsiana izy ireo. DH: "izay mitondra tena amin'ny fahitsiana" na "izay miaina ny fiainany araka ny tokony hataony"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny rariny mihitsy no resahina toy ny hoe lalana. DH: "ataon'Andriamanitra azo antoka fa manao araka ny rariny ny olona" na 2) resahina toy ny hoe lalana ny fiainan'ny olona iray. DH: "miaro ireo izay manao araka ny rariny Andriamanitra"
Ny fiainan'ny olona iray dia resahina toy ny hoe lalana na arabe. DH: "miaro ireo"
"rariny"
Ny fitondran-tena izay hendry ary mahafaly an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe lalana tsara izany. DH: "fomba fiainana izay mahafaly an'Andriamanitra"
Eto ny "fo" dia entina ilazana ny ao anatin'ny olona iray. Ny olona lasa hendry dia resahina toy ny hoe niditra tao am-pon'ilay olona ny fahendrena. DH: "hahazo fahendrena betsaka ianao" na "hahay ny fomba hahendry marina ianao"
Eto ny "fanahy" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "hiahafinaritra anao" na "hahafaly anao"
Ity dia miresaka momba ny "fahamalinana" sy ny "fahazavan-tsaina" toy ny hoe olona izay afaka miambina olon-kafa. Ireo fanambarana ireo dia samy mitovitovy hevitra. DH: "Satria misaina tsara sady mahatakatra izay tsara sy ratsy ianao dia ho voaaro"
ny fahatsaran'ny fitandremana amin'ny asa sy ny teny
miaro na miahy ny olona iray na zavatra iray
Ny hoe "ireo" dia manondro ny fahamalinana sy ny fahazavan-tsaina, izay resahina toy ny hoe olona izay afaka manavotra olon-kafa. DH: "Ho hainao ny hanalavitra ny izay ratsy"
Ny toetra rasty dia resahina toy ny hoe lalana izay alehan'ny olona ny ratsy.
Ny olona izay tsy manao izay marina intsony fa manapa-kevitra ny hanao izay ratsy dia resahina toy ny hoe mitsahatra tsy mandeha amin'ny lalana marina ary misafidy ny handeha amin'ny lala-maizina.
Ny teny hoe "izay" dia manondro ireo olona izay miteny zava-dratsy.
miala ary tsy miverina amin'ny olona na zavatra mandrakizay
Ny hoe "izy ireo dia manondro ireo olona tao amin'ny 2:11 ihany.
Mitovitovy dika amin'ny ampahany voalohany amin'ny fehezateny ihany io. DH: "finaritra amin'ny fanaovana izay fantany fa ratsy
Ny olona izay mandainga amin'ny hafa dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lala-meloka na lalana miolakolaka. DH: "Mamitaka ny olona hafa izy ireo"
Ny olona mandainga mba tsy hahitan'ny olona izay nataony dia resahina toy ny hoe saronan'izy ireo ny dian-tongotra eo amin'ny lalana mba tsy hisy hanaraka azy ireo. DH: "ary mandainga izy ireo mba tsy hisy hahalala izay nataony"
Manohy mampianatra ny zanany ny fomba hiarovan'ny fahendrena azy ilay ray.
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe olona izay mamonjy izay manana azy ny fahendrena sy ny fahamalinana. DH: "Raha manana fahendrena sy fahamalinana ianao, dia hamonjy ny tenanao"
Manondro ny vadiny io, ilay novadiany tamin'ny tanora.
Io koa dia entina ilazana ny fanekem-panambadiana izay nataony tamin'ny vadiny teo anatrehan'Andriamanitra.
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny fidirana ao an-tranony dia mitondra amin'ny fahafatesana" na 2) "ny lalana mankany an-tranony dia lalan'ny fahafatesana."
Ireo mety ho heviny 1) "ny lalana mankany an-tranony dia hitondra anao". Io dia maneho ny lalana izay mitondra any an-tranony, na 2) io dia sarinteny izay miresaka momba ny fomba fiainany tahaka ny hoe lalana andehanany. DH: "ny fomba fiainany dia hitondra anao"
Io dia entina ilazana ny fanahin'ny olona maty ary sarinteny ilazana ny toeran'ny maty. DH: "any am-pasana"
Mandeha ao an-tranony mba handry aminy no dikan'io, tahaka ny ataon'ny olona amin'ny mpivaro-tena.
Ireo mety ho heviny dia 1) "tsy hiverina eo amin'ny tanin'ny velona izy ireo" na 2) "tsy hiaina fiainan-tsambatra intsony izy ireo"
Milaza ny vokatry ny fahazoana fahazavan-tsaina sy fahamalinana ny mpanoratra.
Ny fitondran-tenan'ny olona iray dia resahina toy ny hoe mandeha eo amin'ny lalana iray izany. DH: "hiaina amin'ny lalana... hanaraka ny ohatra"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe fongoran'i Yaveh ny fanesorany ny olona hiala amin'ny tany, tahaka ny fanongotan'ny olona ny rantsana amin'ny hazo. Io dia azo atao hoe DH: "Ho esorin'i Yaveh hiala amin'ny tany ireo ratsy fanahy"
Ireo dia mpamaritra anarana izay azo atao amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "ireo izay ratsy fanahy... ireo izay tsy manam-pinoana" na "olona rasty fanahy...olona tsy manam-pinoana"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe fongoran'i Yaveh ny fanesorany ny olona hiala amin'ny tany, tahaka ny fanongotan'ny olona ny rantsana amin'ny hazo. Io dia azo atao hoe DH: "ho esoriny eo amin'izany ny tsy manam-pinoana"
1 Ry zanako, aza manadino ny didiko ary tano ao am-ponao ny fampianarako, 2 fa andro lava sy taona maro hiainana ary fiadanana no hanampian'ireo anao. 3 Aza avela handao anao ny tsy fivadiham-panekena sy ny fahamendreham-pitokisana, hampifamatory eo amin'ny vozonao ireo, ary raketo ao amin'ny vato fisaky ny fonao. 4 Dia hahita fitia sy ho tsara laza eo imason'Andriamanitra sy ny olona ianao. 5 Matokia an'i Yaveh amin'ny fonao manontolo ary aza miankina amin'ny fahalalanao ihany; 6 maneke Azy amin'ny lalanao rehetra ary Izy no hampahitsy ny lalanao. 7 Aza hendry eo imasonao ihany; matahora an'i Yaveh ka ialao ny ratsy. 8 Ho fanasitranana ho an'ny nofonao ary famelombelomana ho an'ny vatanao izany. 9 Manajà an'i Yaveh amin'ny harenao sy ny voaloham-bokatry ny vokatrao rehetra, 10 dia ho feno ny trano fitehirizam-bokatrao ary ho vaky hitobatobaka ny fitoeram-boalobokao, feno divay vaovao. 11 Ry zanako, aza manamavo ny fampianaran'i Yaveh ary aza mankahala ny fibedesany, 12 fa ireo izay tiany no faizin'i Yaveh, toy ny ataon'ny ray amin'ny zanany izay ankasitrahany. 13 Sambatra izay mahita fahendrena; fa mahazo fahazavan-tsaina ihany koa izy. 14 Tsara noho izay omen'ny volafotsy ny azonao avy amin'ny fahendrena ary ny tombony dia tsara mihoatra ny volamena. 15 Sarobidy noho ny firavaka ny fahendrena ary tsy misy azonao ampitahaina aminy izay mety ho irianao. 16 Andro lava no eo an-tanany ankavanana; ary harena sy voninahitra no eo an-tanany ankavia. 17 Lalan'ny fahalemem-panahy ny lalany ary fiadanana avokoa ny lalany rehetra. 18 Izy no hazon'aina ho an'ireo izay mihazona izany, sambatra ireo izay mifikitra amin'izany. 19 Tamin'ny fahendrena no nanorenan'i Yaveh ny tany, tamin'ny fahazavan-tsaina no nampitoerany ny lanitra. 20 Tamin'ny fahalalany no nitriaran'ny lalina ary nampilatsaka ny andony ny rahona. 21 Ry zanako, tano ny fitsarana sy fahaiza-manavaka marina, ary aza alàna amin'ny masonao izany. 22 Ho aina ho an'ny fanahinao ireny ary ravaky ny fankasitrahana hanaovana manodidina ny tendanao. 23 Dia handeha amin'ny lalanao am-pilaminana ianao ary tsy ho tafintohina ny tongotrao; 24 rehefa mandry ianao, dia tsy hatahotra; rehefa mandry ianao, dia ho mamy ny torimasonao. 25 Aza matahotra ny horohoro avy tampoka na ny fandravana ataon'ny ratsy fanahy, rehefa tonga izany, 26 fa Yaveh no ho eo anilanao ary hiaro ny tongotrao tsy ho voan'ny fandrika. 27 Aza mamihina ny soa amin'ireo izay mendrika izany, raha ao amin'ny herinao ihany ny hiasa. 28 Aza miteny amin'ny namanao hoe: "Mandehana, ka tongava indray, ary rahampitso no hanomezako izany," raha hanananao any aminao ihany ilay vola. 29 Aza manao tetika hanisy ratsy ny namanao— dia ilay monina eo akaikinao ary matoky anao. 30 Aza mifanditra amin'ny olona amin'ny tsy antony, raha tsy nanisy ratsy anao izy. 31 Aza mialona ny olona maherisetra na misafidy izay lalany. 32 Fa maharikoriko amin'i Yaveh ny olona maniasia, fa hampitokiany aminy kosa ny olona mahitsy fo. 33 Eo amin'ny tranon'ny ratsy fanahy ny fanozonan'i Yaveh, fa mitahy ny fonenan'ny olo-marina kosa Izy. 34 Mandatsa ny mpandrabiraby Izy, fa manome sitraka ho an'ny olona manetry tena. 35 Ny olon-kendry mandova voninahitra, fa ny adala kosa dia hisandratra amin'ny fahamenarany.
Miresaka amin'ny zanany tahaka ny ray amin'ny alalan'ny hai-kanto.
Ny teny hoe "didy" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "aza manadino izay andidiako anao"
Io andian-teny io dia milaza amin'ny endrika fiteny tsy misy fandrarana ilay teny teo aloha izay nisy fandrarana. Eto ny teny hoe "fo" dia maneho ny saina. Ny teny hoe "fampianarako" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "tsarovy mandrakariva izay ampianariko anao"
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy hevitra ary maneho ny fahavelomana ela. DH: "fahavelomana ela"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe olona izay afaka mandao olona iray ny "tsy fivadiham-panekena" sy ny "fahamendreham-pitokisana." Ny fandidiana misy fandrarana dia azo adika amin'ny endrika tsy misy fandrarana. DH: "Ataovy azo antoka ny hampiharanao ny tsy fivadiham-panekena sy ny ho mendri-pitokisana"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra izay afaka afatotry ny olona iray eo amin'ny vozony tahaka ny rojo ny fahatokiana sy ny fahamendreham-pitokisana. Ny kisarisary eto dia manolo-kevitra fa zava-tsarobidy izay ahariharin'ny olona eny ivelany ireo. DH: "aharihario am-pireharehana tahaka ny fanaovan'ny olona firavaka izany"
Eto ny fo dia maneho ny sain'ny olona. Ny saina dia resahina toy ny hoe vato fisaka izay afaka hanoratan'ny olona hafatra sy didy. DH: "tsarovy mandrakariva ireo, toy ny hoe nosoratanao amin'ny fomba maharitra eo amin'ny vato fisaka"
Eto ny hoe eo imaso dia maneho fitsarana. DH: "amin'ny fitsaran'Andriamanitra sy ny olona"
Eto ny teny hoe "fo" dia entina ilazana ny ao anatin'ny olona. DH: "ny aminao manontolo"
Ny firesaky ny mpanoratra ny olona miankina amin'ny fahalalany manokana toy ny hoe zavatra izay azo iankinan'ny olona ny "fahalalana." DH: "aza miantehitra amin'ny fahalalanao manokana"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe lalana izay andehanan'ny olona ny ataon'ny olona iray. DH: "amin'ny izay ataonao rehetra"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe lalana izay andehanan'ny olona iray sady tsy asian'i Yaveh sakana ny fanambinan'i Yaveh ny ataon'ny olona iray. DH: "hanome fahombiazana anao Izy"
Ny hevitry ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mahita zavatra amin'ny masony izany olona izany. DH: "Aza hendry araka ny hevitrao ihany"
Ny fanaovana asa ratsy dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe miala amin'ny ratsy izany. DH: "aza manao ratsy"
Ny teny hoe "izany" dia manondro ireo fampianarana izay omen'ny mpanoratra ao amin'ny andininy teo aloha. Ny hevitr'io feno dia azo atao mazava. Ny teny hoe "nofo" dia maneho ny vatana manontolo. DH: "Raha manao izany ianao, dia ho fanasitranana ho an'ny vatanao izany"
Io dia azo atao hoe DH: "ho feno ny fitoeram-bokatrao"
trano na efitra izay itehirizana ny sakafo
ny fitoerana ao amin'ny fitehirizanao dia ho diso feno tahaka ny efa ho vaky.
Manoratra tahaka ny ray mampianatra ny zanany ny mpanoratra.
"zanaka izay mahafinaritra azy." Io dia maneho ny fitiavan'ny ray ny zanaka, fa tsy ny faneken'ny ray ny toetran'ny zanaka. DH: "zanaka izay tiany"
Ny "fahendrena" dia resahin'ny mpanoratra toy ny ho zavatra izay hitan'ny olona. DH: "izay mahazo fahendrena"
Entina ilazana ny tombony izay azon'ny olona iray amin'ny fivarotana na fihariana volafotsy io.
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe vehivavy ny fahendrena.
"mana-danja" na "lafo vidy"
Ny tombony azon'ny olona amin'ny fananana fahendrena dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe vehivavy manana ireo toetra tsara ireo eo an-tanany ary manolotra izany amin'ny olona ny fahendrena. DH: "Manome andro lava sy harena ary voninahitra ho an'ny olona ny fahendrena"
Entina ilazana fahevelomana ela io fomba fiteny io. DH: "fahavelomana ela"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe vehivavy ny fahendrena ary ny tombony omen'ny fahendrena ny olona dia toy ny hoe mitarika ny olona amin'ny lalana iray ny fahendrena. DH: "Hitondra anao tsara hatrany ny fahendrena ary hanome fiadanana ho anao"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe hazo mamoa voankazo manome aina ny fahendrena ary ny olona izay mahazo tombony amin'izany dia tahaka ny hoe nihinana tamin'ilay voankazo. DH: "Ny fahendrena dia tahaka ny hazo izay manohana ny ain'ireo izay mihinana ny voany"
"hazo izay manome aina" na "hazo izay manohana ny aina ny voany"
"ireo izay mifikitra amin'ny voany"
Ny naharian'Andriamanitra ny tany aman-danitra dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mametraka fototra iorenan'ny trano Izy. DH: "Nahary ny tany Andriamanitra... nanamboatra ny lanitra"
Tamin'ny fihevitra fahiny, ny rano dia efa nisy tany ambanin'ny tany. Io andian-teny io dia maneho an'i Yaveh mampivoaka rano avy ao amin'ny tany sy nanaovany ny ranomasim-be sy ny ony hisy. DH: "nampikoriana ny rano Izy" na "nampisy ny ranomasim-be izy"
rano izay miforona eo amin'ny tany amin'ny alina.
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe fahafahana mahita izany hatrany ny tsy fanadinoina zavatra iray. DH: "aza adinoina ireo"
Eto ny teny hoe "fanahy" dia entina ilazana ilay olona. DH: "Ho aina ho anao ireny"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona afatotra manodidina ny tenda tahaka ny firavaka ny "fitsarana tsara" sy ny "fahaiza-manavaka." Ny kisarisary eto dia manolo-kevitra fa zava-tsarobidy izay ahariharin'ny olona eny ivelany ireo. DH: "fampiharihariana ny sitraka tahaka ny fandravahan'ny olona ny tenany amin'ny firavaka"
Ireo mety ho heviny dia 1) "firavaka ankasitrahana" na 2) "firavaka izay mampiharihary ny fankasitrahan'i Yaveh."
Ny fiainana ny fiainan'ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha amin'ny lalana iray ilay olona. DH: "hiaina ny fiainanao am-pilaminana ianao"
Ny teny hoe "tongotra" dia maneho ny olona manontolo. Resahin'ny olona toy ny hoe voafingan'ny zavatra iray eo amin'ny lalany ny fanaovana ratsy.
Ny hevitra ambadik'izany dia hoe mandry mba hatory ny olona iray. Ny dikan'io dia azo atao mazava. DH: "rehefa mandry mba hatory ianao"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mamy amin'ilay olona matory ny torimaso izay milamina sy mamelombelona. Ny teny hoe "torimaso" dia azo adika amin 'ny endrika matoanteny. DH: "hahafinaritra ny torimasonao" na "hatory am-pilaminana ianao"
Azo atao hoe DH: "rehefa mahatonga fandravana ny ratsy fanahy"
"ho eo akaikinao Yaveh." Ny olona izay mitsangana eo anilan'ny olona iray hafa dia fomba fiteny izay midika fa hanampy sy hanohana ilay hafa ilay olona iray. DH: "hanohana sy hiaro anao Yaveh"
Ny olona mizaka fahavoazana avy amin'ny "horohoro" sy "faharavana" dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe voan'ny fandrika. Ny teny hoe "tongotra" dia maneho ny olona manontolo. DH: "hiaro anao amin'ireo izay te hanisy ratsy anao"
"Aza mamihina izay tsara" na "Aza mamihina ny asa soa"
"raha afaka manampy ianao"
"raha any aminao izao ny vola." Ny dikan'izany eto dia hoe manana ilay vola mba hanampiana anio ihany ilay olona, kanefa milaza amin'ilay namany mba hiverina rahampitso.
Ny hevitra ambadik'izany dia tsy tokony hisafidy ny hanahaka ny asa'ny olona mpisetrasetra izy. DH: "Aza ... misafidy ny hanahaka izay fombany"
"halan'i Yaveh ny olona maniasia"
olona tsy marina na mpamitaka
Mizara ny heviny amin'ireo izay manao ny marina tahaka ny amin'ny namana akaiky, atokisana Yaveh. "namana akaiky ho an'ny mahitsy fo i Yaveh"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra izay apetrak'i Yaveh eo an-tampon-tranon'ny olona ratsy fanahy ny fanozonan'i Yaveh. Ny teny hoe "trano" dia sarinteny entina ilazana ny fianakaviana. DH: "efa nanozona ny fianakavian'ny olona ratsy fanahy Yaveh"
Ny ny teny hoe "fonenana" dia entina ilazana ny fianakaviana. DH: "mitahy ny fianakavian'ny olo-marina Izy"
Resahin'ny mpanoratra toy hoe zavatra omeny ny olona ny sitrak'i Yaveh. DH: "maneho ny fankasitrahany amin'ny olona manetry tena Izy" na "maneho fahasoavana amin'ny olona manetry tena Izy"
Ny fahazoan'ny olon-kendry laza feno voninahitra dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandova voninahitra ho fananana maharitra izy ireo. DH: "Hahazo voninahitra ny olon-kendry" na "Hahazo laza feno voninahitra ny olon-kendry"
Ny fampihariharian'i Yaveh ny henatr'ireo adala amin'ny olon-drehetra dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe manandratra ny adala Yaveh mba hahitan'ny olon-drehetra azy ireo. DH: "hataon'i Yaveh hitan'ny olon-drehetra ny henatry ny adala"
1 Mihainoa, ny fampianaran'ny ray, ry zanako, ary mitandrema mba hahafantaranareo ny atao hoe fahazavan-tsaina. 2 Manome fampianarana tsara anao aho; aza mahafoy ny fampianarako. 3 Tamin'ny mbola naha-zanaky ny raiko ahy, ilay mora fanahy ary zanaka tokan'ny reniko, 4 dia nampianatra ahy izy ary niteny tamiko hoe: "Aoka ny fonao hihazona mafy ireo teniko; tandrovy ireo didiko dia ho velona ianareo. 5 Mahazoa fahendrena sy fahazavan-tsaina; aza manadino ary aza mandà ireo tenin'ny vavako; 6 aza afoy ny fahendrena ary hiambina anareo izy; tiavo izy dia hiaro anareo. 7 Ny fahendrena no zava-dehibe indrindra, koa mahazoa fahendrena ary lanio izay anananareo rehetra mba hahazoanareo fahazavan-tsaina. 8 Aoka ho lalainao ny fahendrena dia hanandratra anareo izy; hanaja anareo izy raha mamihina azy ianareo. 9 Hametraka fehiloham-panajana eo ambonin'ny lohanareo izy; ary hanome anareo satro-boninahitra tsara tarehy." 10 Mihainoa, ry zanako, ary tandremo ny teniko, dia hanana taona maro hiainana ianao. 11 Hanoro lalana anao amin'ny lalam-pahendrena aho; ary hitarika anao ho amin'ireo lalana mahitsy aho. 12 Rehefa mandeha ianao, dia tsy hisy olona hijoro amin'ny lalanao ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina. 13 Hazony ireo torolalana, aza avela handeha; tazony, fa fiainanao izany. 14 Aza manaraka ny lalan'ny ratsy fanahy ary ary aza mandeha manaraka ny lalan'ireo izay manao ratsy. 15 Handosiro izany, ary aza mandeha amin'izany; mialà amin'izany ary mandehàna amin'ny lalan-kafa. 16 Fa tsy afa-matory izy ireo mandra-panaovany ratsy ary very torimaso izy ireo mandra-panafintohiny olona. 17 Fa izy ireo dia mihinana ny mofon'ny faharatsiana ary misotro ny divain'ny herisetra. 18 Fa ny lalan'ny olo-marina dia toy ny hazavana voalohany izay mihamazava; mamirapiratra izany mandra-pihavian'ny andro mazava. 19 Ny lalan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizina— tsy fantatr'izy ireo izay manafintohina azy ireo. 20 Ry zanako, tandremo ny teniko; atongilano amin'ny teniko ny sofinao. 21 Aza avela hiala amin'ny masonao ireo; tano ao am-ponao izany. 22 Fa ny teniko dia aina ho an'ireo izay mahita azy ary fahasalamana ho an'ny vatan'izy ireo iray manontolo. 23 Arovy ny fonao ary ambeno amin'ny fitandremana rehetra izany, fa avy amin'izany no hikorianan'ny loharanon'aina. 24 Esory eo aminao ny teny mivilambilana ary ny teny manimba lavitra anao. 25 Aoka ny masonao hijery mahitsy sy hibanjina mahitsy ny eo alohanao. 26 Manamboara lalana mahitsy ho an'ny tongotrao; dia hilamina ny lalanao rehetra. 27 Aza mivily ho amin'ny ankavia na ankavanana; alaviro amin'ny ratsy ny tongotrao.
Miresaka tahaka ny ray mampianatra ny zanany ny mpanoratra.
"mihainoa tsara"
"dia ho hainao ny fomba hahalalana" na "dia hahazo fahazavan-tsaina ianao"
"Tsara izay ampianariko anao"
Manondro ny fotoana izay nahakely ny mpanoratra ka teo ambanin'ny fiahian'ny rainy io. DH: "Fony izaho mbo zazalahy nianatra tamin-draiko"
Eto ny teny hoe "mora fanahy" dia entina ilazana taom-pahazazana izay mbola mahosa ny zaza. Mahatonga fifampisakambinana amin'ny teny hoe "tokana" io. DH: "ilay zanaka tokana mora fanahy"
Eto ny teny hoe "fo" dia entina ilazana ny sain'ny olona. Ny fahatsiarovana ny teny dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mifikitra mafy amin'izany ny fo. DH: "Tsarovy foana izay ampianariko anao"
Manohy mampianatra ireo zanany izay nampianarin-drainy azy ny mpanoratra.
"Miasà mafy hahazoana fahendrena ho an'ny tenanao"
"tsarovy"
"maneke"
Eto ny teny hoe "vava" dia entina ilazana ilay olona miteny. DH: "izay lazaiko"
Ny fahendrena dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe vehivavy miaro ny olona mahatoky.
Io dia azo atao hoe DH: "ifikiro mafy ny fahendrena" na "mahatokia amin'ny fahendrena"
"tiavo ny fahendrena"
Mamarana ny fampianarany ny zanany izay nampianarin-drainy azy ilay ray.
"omeo lanja mihoatra izay anananao rehetra ny fahazavan-tsaina"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe vehivavy ny fahendrena ary toy ny hoe nanandratra olona ho amin'ny toerana ambony ny fahendrena izay manome voninahitra lehibe. DH: "Raha lalainao ny fahendrena, dia hanome voninahitra lehibe ho anao izy"
mahatsapa na maneho fitiavana lehibe ho an'olona iray na zavatra iray
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe vehivavy ny fahendrena ary ny olona manome lanja azy dia toy ny hoe mametraka ny sandriny manodidina azy. DH: "raha tiana fatratra ny fahendrena, dia hahatonga ny olona hanome voninahitra anao ny fahendrena"
Ny voninahitra izay ho azon'ny olona avy amin'ny fahazoana fahendrena dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nametraka fehiloha eo amin'ny lohan'izany olona izany ny fahendrena. DH: "Ho tahaka ny fehiloha izay mampiseho ny voninahitrao lehibe eo amin'ny lohanao ny fahendrena"
boribory voatenona vita amin'ny ravin-kazo na voninkazo
Ny voninahitra izay ho azon'ny olona avy amin'ny fahazoana fahendrena dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nametraka satro-boninahitra eo amin'ny lohan'izany olona izany ny fahendrena. DH: "ho tahaka ny satro-boninahitra tsara tarehy eo an-dohanao ny fahendrena"
"henoy tsara izay ampianariko anao"
"ho velona mandritra ny taona maro ianao"
Ny fampianaran'ny mpanoratra ny zanany mba hiaina am-pahendrena dia resahiny toy ny hoe mitarika ny zanany amin'ny lalana izay mety hahitan'ny olona fahendrena izy. DH: "Ampianariko ny fomba fiainana am-pahendrena ianao; azavaiko aminao ny fomba fiainana marina"
Samy manana hevitra mitovitovy ireo andalana roa ireo. Ny fanapahan-kevitra sy ny asa ataon'ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha na mihazakazaka amin'ny lalana iray izany olona izany ary ny olona izay mahomby dia toy ny hoe tsy misy sakana izay mety hamingana ilay olona ilay lalana. DH: "Rehefa mikasa zavatra iray ianao, dia hahomby amin'ny fanaovana izany"
Ny olona mahatsiaro izay nianarany dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra izay azaon'ny olona hazonina mafy ny "torolalana." DH: "Ankatoavy hatrany izay nampianariko anao ary aza adinoina izany"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe ain'olona ny fiarovan'ny famaizana ny ain'ny olona. DH: "fa hiaro ny ainao izany"
Ny ataon'ny olona dia resahin'ny mpanoratra toy ny mandeha amin'ny lalana izany olona izany. DH: "Aza manao izay ataon'ny olona ratsy fanahy ary aza mikambana amin'ny asan'ny olona mpanao ratsy"
"Ialao ny lalan'ny ratsy fanahy"
Mampiasa filaza masaka ny mpanoratra mba hanehoana ny fanirian'ny olona ratsy fanahy hanao asa rasty.
Ny olona tsy afa-matory dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra azon'ny olona angalarina amin'izy ireo ny torimaso. DH: "tsy mahita-tory izy ireo"
Ny fanisiana ratsy ny olona iray hafa dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mahatonga izany olona izany ho tafintohina izany. DH: "mandra-panisiany ratsy olon-kafa"
Ireo mety ho heviny dia 1) io dia sarinteny izay iresahan'ny mpanoratra momba ireo olona izay manao faharatsiana tsy tapaka sy herisetra toy ny hoe misotro sy mihinana ireo tahaka ny fisotroan'ny olona divay sy mofo izy ireo. DH: "ny faharatsiana dia tahaka ny mofo izay hohanin'izy ireo ary ny herisetra dia tahaka ny divay izay sotroiny" na 2) mahazo ny sakafony sy izay sotroiny amin'ny fanaovana faharatsiana sy herisetra ireo olona ireo. DH: "mihinana ny mofo izay azony ireo tamin'ny fanaovan-dratsy izy ireo ary misotro divay izay azon'izy ireo tamin'ny herisetra"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe "lalana" andehanan'ny olona ny asa sy ny fomba fiainan'ny olo-marina sy ny ratsy fanahy. DH: "ny fomba fiainan'ny olo-marina ... Ny fomba fiainan'ny ratsy fanahy"
Ampitahain'ny mpanoratra amin'ny fiposahan'ny masoandro ny lalan'ny olo-marina, izay midika fa milamina izy ireo satria manana fahazavana hitsilo izay alehany izy ireo. DH: "mandeha amin'ny lalany am-pilaminana ny olo-marina satria mamiratra amin'izany ny masoandron'ny maraina ary mihamazava"
Entina ilazana ny andro vao mangiran-dratsy io na ny fiposaha-masoandro
Entina ilazana ny fotoana amin'ny andro izay mampazava ny masoandro indrindra io. DH: "mandra-pamiratry ny masoandro indrindra" na "hatramin'ny fahazavan'ny mitataovovonana"
Ampitahain'ny mpanoratra amin'ny aizina ny fomban'ny ratsy fanahy, izay midika fa ambava-loza mandrakariva izy ireo satria tsy manana fahazavana hitsilo izay alehany. DH: "Mandeha ambava-loza amin'ny lalany ireo olona ratsy fanahy satria tsy manana fahazavana mba hahafahan'izy ireo mahita"
Ny fiainana faharariana dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe tafintohina amin'ny zavatra eny amin'ny lalana izay alehan'ilay olona izany. DH: "tsy fantany hoe nahoana izy ireo no miaina faharariana sy vitan-dratsy"
"henoy tsara"
Eto ny teny hoe "sofina" dia maneho ilay oloba izay mihaino. Ny fihainoana olona tsara dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandroso mitongilana manatona mba hanakaikezan'ny sofina an'izay miteny bebe kokoa. Ny teny hoe "teny" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "henoy tsara ireo zavatra lazaiko"
Ny fisaintsainana zavatra iray mandrakariva dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mampirina izany any amin'izay tsy misy afaka mahita. DH: "Aza mitsahatra ny misaintsaina momba ireo"
Ny fahatsiarovana zavatra iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe fitanana izany ao am-pony. DH: "tsarovy mandrakariva ireo"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe ain'ilay olona ny fiarovan'ny teniny ny ain'izany olona izany. DH: "manome aina ny teniko"
Ny fahazoana feno ny teniny dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mitady izany ilay olona ary mahita. DH: "ho an'ireo izay mahatakatra ary mapihatra izany"
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro "ireo izay mahita izany." Ny enti-milaza ho an'ity andian-teny ity dia azo ampiana avy ao amin'ny andian-teny teo aloha. DH: "hanome fahasalamana ho an'ny vatan'ireo izay mahita azy manontolo ny teniko"
Eto ny teny hoe "fo" dia maneho ny saina sy ny fihevitry ny olona iray. DH: "Arovy ny sainao ary ambeno ny fihevitrao"
amin'ny ezaka mitohy sy mavitrika
Ny teny hoe "izany" dia manondro ny fo, izay sarinteny ilazana ny fisainana sy ny fihevitra. Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe loharano mikoriana izay mivoaka avy any am-po ny fiainan'ny olona. DH: "avy amin'ny fihevitrao no hiavian'ny zavatra rehetra lazainao sy ataonao" na "ny fihevitrao no mamaritra ny lalam-piainanao"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mivilambilana ny teny lainga sy fitaka ary ny olona tsy mampiasa izany karazana fiteny izany dia toy ny hoe manala izany lavitra ny olona iray izany. DH: "Aza mandainga ary aza miteny fitaka"
Eto ny teny hoe "maso" dia maneho ny olona izay mijery. Ny olona manolo-tena amin'ny fanaovana ny zavatra mety dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mijery manatrika hatrany izany olona izany ary tsy mitodi-doha hijery any an-kafa. DH: "Mijery mahitsy mandrakariva ary mibanjina mahitsy ny eo alohanao"
Eto ny teny hoe "tongotra" dia entina ilazana ny olona izay mandeha. Ny ataon'ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha amina lalana iray izy, ary ny fikasana hanao ireo asa ireo tsara dia toy ny hoe mampahitsy lalana. DH: "Manaova lalana mahitsy handehanana" na "Omano tsara izay tianao hatao"
"lalana malamatra" na "lalana tsy mikitoantoana"
Ny ataon'ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha amina lalana iray ilay olona ary ireo asa izay mahomby ireo dia toy ny hoe milamina sy azo antoka ilay lalana. DH: "dia tsy haninona ny zavatra rehetra ataonao"
Ny "avia" sy "havanana" dia mampisy fizarana, izay midika fa tsy tokony handao ny lala-mahitsy ho amin'izay mety ho lalana rehetra ilay olona. DH: "Mizora mahitsy ary aza mandao ny lala-mahitsy"
Eto ny teny hoe "tongotra" dia entina ilazana ny olona izay mandeha. Ny tsy fanaovana ratsy dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha miala amin'ny ratsy ilay olona. DH: "mialà amin'ny ratsy" na "manalavira ny ratsy"
1 Ry zanako, tandremo ny fahendreko; atongilano amin'ny fahazavan-tsaiko ny sofinao, 2 mba hianatra momba ny fahamalinana ianao ary hiaro fahalalana ny molotrao. 3 Fa ny molotry ny vehivavy mpijangajanga mitete tantely ary ny vavany dia malama noho ny diloilo, 4 nefa any am-parany dia hangidy tahaka ny hazo mahafaty izy, manapaka tahaka ny sabatra maranitra. 5 Midina mankany amin'ny fahafatesana ny tongony; ary ny diany mizotra ho any amin'ny Fiainan-tsy hita. 6 Tsy mihevitra ny lalan'ny fiainana izy. Mirenireny ny dian-tongony; ary tsy fantany izay alehany. 7 Ankehitriny, ry zanako, mihainoa Ahy; aza mivily amin'ny fihainona ny tenin'ny vavako. 8 Alaviro azy ny lalanao ary aza manakaiky ny varavaran'ny tranony. 9 Amin'izany dia tsy hanome ny voninahitrao amin'ny hafa ianao na ny taona iainanao ho an'ny olon-dozabe; 10 tsy hifety amin'ny harenao ireo vahiny; ary izay efa niasanao dia tsy ho tonga ao an-tranon'ireo vahiny. 11 Amin'ny faran'ny adrom-piainanao dia hisento ianao rehefa hihaosa ny nofonao sy ny vatanao. 12 Hiteny ianao hoe: "Indrisy ny fankahalako ny fampianarana sy fanaovan'ny foko tsinotsinona ny fanitsiana! 13 Tsy nankatò ireo mpampianatro aho na nanongilana ny sofiko tamin'ireo mpananatra ahy. 14 Efa rava tanteraka aho teo afovoan'ny fiangonana, teo amin'ny fivorian'ny olona." 15 Misotroa rano avy ao amin'ny famorian-dranonao ary misotroa rano mikoriana avy ao amin'ny lava-dranonao. 16 Moa tokony hiboiboika na aiza na aiza ve ny loharanonao ary hikoriana eny ankalamanjana ny loharanonao? 17 Aoka ho anao irery ihany ireny fa tsy ho an'ireo vahiny miaraka aminao. 18 Ho voatahy anie ny loharanonao ary aoka hifaly amin'ny vadin'ny fahatanoranao ianao, 19 fa diera mahate-ho tia izy ary osidia soa. Aoka hahafa-po anao amin'ny fotoana rehetra ny nonony; aoka ho mamon'ny fitiavany mandrakariva anie ianao. 20 Fa nahoana ianao, ry zanako, no tokony babon'ny vehivavy janga; nahoana ianao no tokony hamihina ny tratran'ireo vehivavy ratsy fitondran-tena? 21 Mahita ny zavatra ataon'ny olona rehetra i Yaveh ary mijery ny lalana alehany rehetra. 22 Ny olona ratsy fanahy dia azon'ny fahamelohany ihany; ireo kofehin'ny fahotany no hamatotra azy mafy. 23 Ho faty nohon'ny tsy fahampian'ny fampianarana izy; voatarika any amin'ny lalan-diso nohon'ny haben'ny fahadalany izy.
Miresaka toy ny ray mampianatra ireo zanany ny mpanoratra.
Eto ny teny hoe "sofina" dia maneho ilay olona mihaino. Ny fihainoana tsara ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mampitongilana ny sofina hanatona mba hanakaikezan'ny sofina an'ilay olona miteny bebe kokoa. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 4:20.
Ny fahamalinana dia ny toetra tsaran'ny fitandremana manoloana ny atao sy ny fitenin'ny olona iray. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 1:4.
Eto ny teny hoe "molotra" dia entina ilazana ilay olona miteny. Ny olona izay mitandrina ny hilaza izay marina ihany dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe miaro fahalalana ny molotr'ilay olona. DH: "izay marina ihany no ho lazainao"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny teny hoe "molotra" dia maneho ny tenin'ilay vehivavy mpijangajanga ary resahin'ny mpanoratra toy ny hoe molotra mitete tantely ny fisarihan'ny teniny. DH: "mamy ny tenin'ny vehivavy janga, tahaka ny mitete tantely" na 2) ny endriky ny fanorohana ilay vehivavy mpijangajanga dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mitete tantely ny molony. DH: "mamy ny oroky ny vehivavy janga, toy ny mitete tantely ny molony"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny teny hoe "molotra" dia maneho ny tenin'ilay vehivavy mpijangajanga ary resahin'ny mpanoratra toy ny hoe malama noho ny menaka oliva ny fandresen-dahatry ny teniny. DH: "ny teniny dia mandresy lahatra ary malama noho ny menaka oliva" na 2) Ny fahafinaretana amin'ny fanorohana ilay vehivavy janga dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe malama noho ny menaka ny vavany. DH: "ny fanorohany dia malama noho ny menaka oliva.
Ny ratsy avy amin'ny fiarahana amin'ny vehivavy janga dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nanandrana hazo mangidy mahafaty izy. DH: "fa amin'ny farany, dia tahaka ny hazo mahafaty mangidy tsiro izay hahavoa anao izany"
zava-maniry mangidy tsiro
Ny fanaintainana izay hataon'ny vehivavy janga amin'izay miaraka aminy dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe fitaovam-piadiana maranitra izay manapaka ilay olona. DH: "mandratra olona, toy ny hoe fitaovam-piadiana maranitra izy"
Eto ny hoe "tongony" dia entina ilazana ilay vehivavy janga eo am-pandehanana. Ny fitondran-tenany dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha amin'ny lalana izy. DH: "Mandeha amin'ny lalana izay mitondra ho amin'ny fahafatesana izy" na "Ny fomba fiainany dia mitarika amin'ny fahafatesana"
Ny fitondran-tenany dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha amin'ny lalana izy. DH: "mandeha mankany amin'ny Fiainan-tsy hita izy" na "ny fitondran-tenany dia mitondra azy mankany amin'ny Fiainan-tsy hita"
Ny toetra izay manome fahavelomana ela ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe lalana izay mitondra makany amin'ny fiainana. DH: "Tsy mihevitra izay handeha amin'ny lalana mankany amin'ny fiainana izy" na "Tsy miraharaha izay fitondran-tena mitondra mankany amin'ny fiainana izy"
Ireo mety hoe heviny dia 1) "Mirenireny toy ny hoe very izy" na 2) "Mandeha amin'ny lalan-diso izy"
Eto ny mpanoratra dia mifindra amin'ny fampitandremana ny amin'ireo vehivavy janga mankany amin'ny fanomezana torohevitra.
Ireo andian-teny roa ireo dia maneho hevitra mitovy ihany mba hihainoan'ny mpianatra.
Ny fanatsaharana asa iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe niala tamin'izany ara-batana ilay olona. DH: "aza mitsahatra ny mihaino"
Eto ny teny hoe "vava" dia entina ilazana ilay olona miteny. DH: "ny teniko" na "izay lazaiko"
Eto ny teny hoe "lalana" dia maneho ny fitondran-tenan'ny olona iray andavanandro sy ny toe-java-misy. DH: "Alaviro aminy ny tenanao" na "Mialà aminy"
Eto ny hoe "varavaran'ny tranony" dia entina ilazana ilay trano mihitsy. Mety ho tsara kokoa ny mampiasa ny teny hoe "mandeha" fa tsy "manakaiky" satria ity farany ity dia mety hisy hevitra ambadika hoe eo am-baravaran'ny tranony ilay miteny. DH: "Aza mandeha akaikin'ny varavaran'ny tranony" na "aza mandeha akaikin'ny tranony akory"
"Raha manao izany ianao." Io andian-teny io dia manondro ilay vao nolazainy ao amin'ny andininy teo aloha.
Ireo mety ho hevitry ny teny hoe "voninahitra" dia 1) entina ilazana ny laza io. DH: "Tsy ho very ny laza soanao eo amin'ny olona" na 2) manondro ny harena sy fananan'ny olona iray io. DH: "Tsy hanome foana ny harenao amin'ny olona ianao" na 3) entina ilazana ny tanjaka io ary maneho ny taona tsara indrindra teo amin'ny fiainan'ny olona iray. DH: "Tsy homenao foana ho an'ny olon-kafa ny taona tsara indrindra teo amin'ny fiainanao"
Ny olona maty alohan'ny fotoana, mety hoe matin'ny famonoana, dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra omemeny olon-kafa ny taona niainany. Azo asiana matoanteny avy ao amin'ny andian-teny teo aloha io. DH: "na hanome ny taona niainanao ho an'ny olon-dozabe" na "mahatonga ny olon-dozabe hamono anao raha mbola tanora ianao"
Mety entina ilazana ny vadin'ilay vehivavy janga io, izay hitondra ilay olona miara-mandry aminy amin'ny fomba lozabe.
Ny olona maka sy misitraka ny haren'olon-kafa dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mifety amin'ny haren'izany olona izany izy ireo. DH: "tsy haka ny harenao rehetra ny vahiny"
Eto ny teny hoe "trano" dia entina ilazana ny fianakavian'ilay olona. DH: "ireo zavatra izay azonao dia tsy hiafara ho fananan'ny fianakavian'ny vahiny"
Ny teny hoe "nofo" sy "vatana" dia mitovitovy hevitra ihany ary maneho ilay olona manontolo. DH: "hihaosa ny vatanao" na "hihaosa ianao"
"reraka ara-batana" na "miha-malemy sy tsy salama"
Ireo andian-teny roa ireo dia maneho hevitra mitovitovy ihany ary manindry ny amin'ny halehiben'ny tsy fitiavan'io olona io izay nambaran'ny mpampianatra.
Ny teny hoe "indrisy" dia teny maneho fahatairana izay manindry ny amin'ny hamafin'ny fankahalany. Ny teny hoe "fampianarana" dia azo adika amin'ny teny misy matoanteny. DH: "halako ery izany fony nisy te hampianatra ahy"
Eto ny teny hoe "fo" dia maneho ilay olona sy ny fihetseham-pony. Ny teny hoe "fanitsiana" dia azo adika amin'ny teny misy matoanteny. DH: "nankahalaiko ny olona rehefa mba nanitsy ahy"
Eto ny teny hoe "sofina" dia entina ilazana ilay olona mihaino. Ny fihainoana tsara ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mitongilana manakaiky mba hanakaiky ilay olona miteny. Jereo ny fomba nandikanao ny teny mitovy amin'izany ao amin'ny 4:20. DH: "nihaino ireo izay mba nananatra ahy"
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary entina ilazana ny fiaraha-monin'izany olona izany izay na 1) nivavaka tamin'Andriamanitra na 2) nitsara azy nohon'ny amin'ny fandikan-dalàny,
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany. Ny lehilahy miara-mandry amin'ny vadiny ihany dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nisotro rano avy tamin'ny famorian-dranony na ny fantsakany ihany.
Ny rano madio dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe rano mikoriana. DH: "rano madio"
Mametraka ity fanontaniana fampisainana ity ny mpanoratra mba hanindriana fa tsy tokony hanao ireo zavatra ireo ny zanany lahy. DH: "Ny loharanonao dia tsy tokony... ny ranonao miboiboika dia tsy tokony hikoriana eny an-kalamanjana."
Eto ny teny hoe "loharano" dia fanalefahan-teny ilazana ny tsiranoka ara-pananahan'ny lehilahy. Ny mety ho hevitr'io andian-teny misy sarin-teny io dia 1) ny fiaraha-mandry amin'ny vehivavy hafa ankoatra ny vadin'ilay olona dia resahina toy ny hoe mamela ny ranon'ny olona iray hikoriana eny an-dalambe izany, na 2) ny fananan-janaka amin'ny vehivavy hafa ankoatra ny vadin'ny olona iray dia resahina toy ny hoe mamela ny ranon'ny olona iray hikoriana eny an-dalambe.
Toeran'ny daholobe ao an-tanàna na vohitra iray izay ifanenan'ny lalana roa. Toerana hihaonan'ny daholobe sy hiresahany.
Ny teny hoe "ireny" dia manondro ireo "loharano" na "rano mikoriana."
"aza zaraina amin'ny vahiny ireny"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe loharano ny vadin'ny zanany lahy. Eto ny teny hoe "voatahy" dia entina ilazana ny fahatsapana hafaliana izay ananan'ny lehilahy amin'ny vadiny. DH: "Hahita fifaliana amin'ny vadinao hatrany anie ianao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ilay vehivavy novadianao fony ianao mbola tanora" na 2) "ilay vadinao izay tanora."
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe "diera be fitia sy osidia malemy fanahy" ny vadin'ny zanany lahy. Eto ny "diera" sy "osidia" dia midika hoe diera vavy. Mariky ny hatsarana ireo eo amin'ny endrika sy ny famindra ireo. DH: "tsara tarehy tahaka ny diera sy osidia izy" na "tsara tarehy sy mahafinaritra tahaka ny diera vavy izy"
Tsy "Feno fahasoavana" ny dikan'io teny io, fa "tsara tarehy rehefa mamindra."
Ireo mety ho heviny dia 1) manaitaitra ny filana ara-nofon'ny vadiny ny nonon'ilay vehivavy ary mety entina ilazana ny vatan'ilay vehivavy manontolo koa. DH: "Aoka hahafapo ny filanao ny nonony" na "Aoka hahafapo ny filanao ny vatany" na 2) sarinteny izay iresahan'ny mpanoratra momba ny nonon'ilay vehivavy mahafapo ny filan'ilay lehilahy toy ny hoe mahavoky ny hetahetan'ny zaza noana io. DH: "Aoka ny nonony hamoky anao amin'ny hamamiana rehetra tahaka ny hamokian'ny nonon-dreny ny zanany amin'ny sakafo"
Ny fangitakitahana sy fifaliana lehibe avy amin'ny fitiavana feno faharaiketam-pitia dia resahina toy ny hoe mamon'izany fitiavana izany izy. Io dia azo atao hoe DH: "aoka ny fitiavany hifehy anao tahaka ny fifehezan'ny toaka ny olona mamo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny fitiavanao azy" na 2) "ny fitiavany anao"
Mametraka ity fanontaniana fampisainana ity ny mpanoratra mba hanindriana fa ny zanany lahy dia tsy mahazo manao ireo zavatra ireo. DH: "Ry zanako, aza mety ho babon'ny vehivavy janga! Aza mamihina ny tratran'ny vehivavy ratsy fitondran-tena!"
Ny fangitakitahana lehibe miseho avy amin'ny faniriana vehivavy dia resahina toy ny hoe babon'izany vehivavy izany izy. DH: "mamela vehivavy janga hambabo anao" na "mamela vehivavy janga hisarika anao"
Eto ny teny hoe "tratra" dia entina ilazana ilay vehivavy ratsy fitondran-tena sy ny fanintonany ara-nofo. DH: "nahoana ianao no tokony hamihina vehivavy ratsy fitondran-tena"
Ireo mety ho heviny dia 1) "vehivavy izay tsy vadinao" na 2) "vehivavy izay vadin'olon-kafa."
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy hevitra ihany ary manindry fa fantatr'Andriamanitra ny zavatra rehetra ataony.
Ny ataon'ny olona na ny fomba fiainany dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe lalana izay alehan'ny olona. DH: "izay rehetra alehany" na "izay rehetra ataony"
Ny olona ratsy fanahy izay tsy afaka miala amin'ny voka-dratsin'ny helony dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe olona izay nambabo ilay olona ratsy fanahy ireo heloka ireo. Io dia azo atoa hoe DH: "Ny helony ihany no hahazo ny olona ratsy fanahy" na "Ny olona ratsy fanahy dia tsy ho afaka hiala amin'ny voka-dratsin'ny helony"
Io dia azo atao hoe DH: "mamily azy amin'ny lalan-diso ny fahadalany lehibe"
Ny olona ratsy fanahy izay tsy afaka miala amin'ny voka-dratsin'ny fahotany dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe fandrika vita amin'ny tady izay mahavoa ilay olona izany fahotana izany. DH: "nohon'ny fahotany, dia ho tahaka ny biby tratran'ny fandrika izy"
"satria adala be mihitsy izy"
1 Ry zanako, raha nanokana ny volanao ho antoka amin'ny findraman'ny namanao ianao, raha nampanantena fampindramam-bola ho an'ny olona tsy fantatrao ianao, 2 dia efa nametraka fandrika ho an'ny tenanao tamin'ny fampanantenanao ianao, ary efa voasingotry ny teny naloaky ny vavanao. 3 Raha voasingotry ny teninao ianao, ry zanako, dia ataovy izao ka vonjeo ny tenananao, satria efa lavo teo an-tanan'ny namanao ianao; mandehana ka manetre-tena ary miangavia eo anatrehan'ny namanao. 4 Aza avela hatory ny masonao ary aza avela rendrehana ny hodi-masonao. 5 Vonjeo ny tenanao tahaka ny gazela eny an-tanan'ny mpihaza, tahaka ny vorona eo an-tanan'ny mpamandri-borona. 6 Jereo ny vitsika, ry olo-malaina, diniho ny fanaony ka hendre. 7 Tsy manana komandy, mpifehy, na mpanapaka izy, 8 kanefa mamory ny sakafony amin'ny fahavaratra ary mandritra ny fararano no hitehirizany izay hohaniny. 9 Mandra-pahoviana no hatorianao, ry olo-malaina? Rahoviana no hifohazanao amin'ny torimasonao? 10 "Torimaso kely, faharendrehana kely, famoretan-tanana kely mba hialana sasatra"— 11 ary dia ho avy tahaka ny mpangalatra ny fahantranao ka ny filànao tahaka ny miaramila mirongo fiadiana. 12 Ny olom-poana—ny olona ratsy fanahy— dia miaina amin'ny fahamelohan'ny teniny, 13 mipi-maso, manome famantarana amin'ny tongony ary manondro amin'ireo ratsan-tanany. 14 Manao teti-dratsy sy fitaka ao am-pony izy; manetsika fifandirana mandrakariva izy. 15 Noho izany dia hahatratra azy tampoka ny lozany; ao anatin'ny fotoana fohy dia ho potika lavitry ny fanasitranana izy. 16 Misy zavatra enina halan'i Yaveh, fito izay maharikoriko Azy. 17 Ny mason'ny olona mpirehareha, ny lela mpandainga, ny tanana mpandatsa-dràn'ny olona tsy manan-tsiny, 18 ny fo mamorona sain-dratsy, ny tongotra izay mailaka amin'ny fiazakazahana hanao ratsy, 19 ny vavolombelona izay mamoaka lainga ary mamafy fifandirana eo amin'ny rahalahiny. 20 Ry zanako, ankatoavy ny didin-drainao ary aza mahafoy ny fananaran-dreninao. 21 Fehezo ao am-ponao mandrakariva ireo; fatory eo am-bozonanao ireo. 22 Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; raha matory ianao, dia hiambina anao ireo; ary raha mifoha ianao, dia hampianatra anao ireo. 23 Fa fanilo ny didy, ary fahazavana ny fampianarana; ireo anatra izay avy amin'ny fampianarana no lalan'ny fiainana. 24 Miaro anao amin'ny vehivavy ratsy fitondran-tena izany, amin'ny teny malefaky ny vehivavy ratsy fitondran-tena. 25 Aoka ny fonao tsy hitsiriritra ny hatsarany ary aza avela hambabo anao amin'ny volomasony izy. 26 Ny fiaraha-mandry amin'ny mpijangajanga dia sandainao amin'ny sombi-mofo, fa ny vadin'ny hafa dia sandainao amin'ny ainao mihitsy. 27 Misy olona afaka mitondra afo eo an-tratrany ve ka tsy mandoro ny akanjony? 28 Misy olona mahadia vain'afo mahamay ve ka tsy hitsovaka ny tongony? 29 Toy izany koa ny lehilahy miara-mandry amin'ny vadin'ny namany; izay miara-mandry aminy dia tsy ho afa-maina. 30 Tsy hanamavo ny mpangalatra ny olona raha mangalatra mba hahafa-po ny filàny rehefa noana izy. 31 Fa raha tratra kosa izy, dia hanonitra impito heny izay nangalariny; tsy maintsy mamoy ny zavatra sarobidy rehetra ao an-tranony izy. 32 Izay mijangajanga dia tsy misy saina; izay manao izany dia manimba ny tenany. 33 Ratra sy henatra no mendrika azy ary tsy ho voafafa ny fahafaham-barakany. 34 Fa ny fahasarotam-piaro no mahatezitra ny lehilahy; tsy hampiseho famindram-po izy rehefa mamaly faty. 35 Tsy hanaiky onitra izy ary tsy ho voatamby, na dia omenao fanomezana maro aza.
Ny hevitra ambadika eto dia ny fampanantenanao sy ny toe-javatra no nanery anao hanangona ny volanao. DH: "tsy maintsy nanangona ny sasany tamin'ny volanao"
Ireo mety ho heviny dia 1) mety ho avy any aminao ny namanao mba hangataka fampindramam-bola na 2) te haka fampindramam-bola avy amin'olon-kafa ny namanao, saingy mampanantena ny hamerim-bola any amin'ilay mpampindrana ianao raha tsy afaka ny namanao.
Ny teny Hebreo mitovy amin'izany dia mety hidika ihany koa hoe "mpiray vodi-rindrina."
Io dia evitra ambadika izay milaza fa hamandri-tena ianao. DH: "nanamboatra fandrika izay nahavoa ny tenanao ihany ianao"
"izay nolazainao" na "izay nampanantenainao hatao"
"arovy ny tenanao" na "ampio hiala amin'ireo olona ireo ny tenanao"
Io dia hevitra ambadika izay mampiasa ny teny hoe "tanana" mba hidika hoe "mamely." DH: "mety hamely anao ny namanao raha tiany" na "manana fahefana aminao ny namanao"
"mpiray vodi-rindrina"
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary naverina mba hanindriana ny amin'ny maha-zava-dehibe ny tsy fahakamoana. Ambara amin'ny endrika misy fandrarana ihany koa io mba hanehoana fanindriana bebe kokoa. DH: "Mifohaza, ary ataovy izay azonao atao"
Io dia hevitra ambadika izay mampiasa izay eo amin'ny tarehinao mba hilazana ny vatanao manontolo. DH: "ny tenanao ... ny tenanao"
"Miandosira ny namanao tahaka ny gazela izay mandositra ny mpihaza"
Izany dia biby lehibe, mahia izay mihinana ahitra ary hazain'ny olona matetika hahazoana hena. Malaza amin'ny fitsoahana malaky izany.
Entina ilazana ny fifehezan'ny mpihaza ny tanan'ny mpihaza. DH: "fifehezan'ny mpihaza"
"ary mandosira tahaka ny vorona izay misidina lavitry ny mpamandri-borona"
"Hianaro ... hevero" na "diniho tsara ... saintsaino"
ny vitsika dia bibikely izay mipetraka any ambany tany eo amin'ny havoana nataony ihany. Matetika ireo dia miara-mipetraka amin'ny vondrona an'arivony, ary afaka mibata zavatra izay lehibe lavitra noho izy ireo.
Io dia hevitra ambadika izay mampiasa ny "fanaon'ny" vitsika hilazana ny toetrany. DH: "diniho ny toetran'ny vitsika"
Ireo teny telo ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary ampiasaina mba hanindriana fa tsy misy manana fahefana manokana eo amin'ny vitsika tokana.
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary averina mba hampisehoana ny fandraisana andraikitry ny vitsika.
Ny fahavaratra dia fotoana izay hamoazan'ny hazo sasany amin'ny taona iray.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo ny mpampianatra mba hibedesana ny olona kamo nohon'ny fatoriana tafahoatra. DH: "Mifohaza, ry ilay kamo! Mialà eo am-pandrianao!"
Izany no karazan-javatra lazain'ny kamo.
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany. Azo adika amin'ny fehezanteny feno ireo. DH: "Somary hatory elaela kokoa aho. Avelao aho mba hatory elaela kely.
Matetika ny olona dia mamoritra tanana rehefa matory mba hahazo aina kokoa rehefa maka aina. DH: "Hamoritra ny sandriko kely ao mba hahazo aina ary haka aina kely"
Io dia azo adika amin'ny fehezanteny vaovao mba hampazava fa vokatry ny fahalainana io. DH: "Raha mitohy ny hakamoanao, dia ho avy ny fahantranao" na "Raha mbola matory ianao, dia ho avy ny fahantrana"
Ny fomba mampahantra tampoka ny olona kamo dia tahaka ny fomba hahatongava'ny mpandroba tampoka ka mangalatra zavatra. DH: "hanjary hahantra tampoka ianao, toy ny hoe nisy mpangalatra tonga ka naka izay rehetra anananao"
Ny fomba hahatonga ny kamo ho orin-javatra tampoka dia tahaka ny fomba hakan'ny miaramila mirongo fiadiana zavatra avy amin'ny olona tampoka. Azo adika amin'ny fehezanteny feno io. DH: "ary ho avy tampoka aminao tahaka ny miaramila mitam-piadiana ny fahorianao" na "ary ho ory tampoka toy ny hoe nisy miaramila mirongo fiadiana nangalatra ny zavatrao rehetra ianao"
"miaramila mitana fiadiana" na "lehilahy mitam-piadiana"
Mitovy hevitra ireo teny ireo ary manindry ny amin'ny faharatsian'io olona io. DH: "Olona tsy misy lanjany—lehilahy ratsy fanahy"
"milaza lainga hatrany"
Ireo andian-teny telo rehetra ireo dia mamaritra ny fomba hifampiresahan'ny olon-dratsy miafinkafina mba hamitaka ny olona hafa.
Raha mipi-maso ny olona iray, dia akipiny vetivety kely ny masony ilany mba hanome fampahafantarana miafina amin'ny olpona iray hafa. Mety ho mariky ny fatokiana io, na fanekena, na zavatra hafa.
"Manao fikasan-dratsy izy" na "miomana ny hanao asa ratsy izy"
"mahatonga fifandirana foana izy" na "mitady fifandirana hatrany izy ary mampirongatra izany"
"Noho izany antony izany"
Ny hevitra ambadik'io dia manenjika azy tahaka ny olona na biby ny loza, ary hahatratra azy tsy ho ela. DH: "hahatratra azy ny lozany"
Manondro ny loza izay hanjo azy io, fa manondro ny loza izay naterany ihany koa.
Samy mitovy hevitra ireo, ary na ny iray na izy roa dia azo soloina hoe "tampoka" na "haingana dia haingana."
Io andininy rehetra io dia fifanidriana andalana izay manindry fa zavatra maro no halan'Andriamaniafa tsy iray ihany. DH: "zavatra enina izay halan'i Yaveh, zavatra fito izay"
"izay mahatonga azy hahatsapa rikoriko" na "izay mahatonga anao harikoriko aminy"
Ity no lisitr'ireo zavatra izay halan'i Yaveh araka ny naroso tao amin'ny 6:16.
Ireo ratsam-batana rehetra ireo dia entina ilazana ny olona manontolo. Azonao adika hoe "olona" ny tsirairay amin'ireo.
"mamono"
"teti-dratsy"
Io hevitra ambadika io dia mampiasa ny hoe "mamoaka" mba hilazana ny fandaingaina hatrany. DH: "mandainga hatrany"
Adikao tahaka ny ao amin'ny 6:14 io.
Io hevitra ambadika io dia mampiasa ny hoe "mamafy" mba hilazana hoe mahatonga na miteraka fifandirana. DH: "olona mahatonga fifandirana"
Amin'ny lafiny iray dia mitovy hevitra ireo andian-teny roa ireo. Amin'ny lafiny iray hafa, ilay fanindriana ny hoe "ray" sy "reny"miverimberina dia mampiditra ny vehivavy ao amin'ny dingan'ny fampianarana-fianarana amin'ny fomba mazava.
Mampiasa ny teny fandrarana hoe "aza mahafoy" io hevitra ambadika io mba hanana hevitra tsy misy fandrarana hoe "ankatoavy". DH: "ankatoavy ny fampianaran-dreninao"
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany. Mamaritra ny didy sy ny fampianarana toy ny hoe voasoratra ireo mba hahafahanao mametraka izany eo amin'ny vatanao hampatsiahy ny tenanao.
"tiavo ireo" na "saintsaino ireo"
Miara-ampiasaina ireo andian-teny ireo mba hanindriana fa sarobidy isan'andro ny fananarana.
Ny famerimberenana ireo andian-teny ireo dia mba hampisehoana fa manan-danja amin'ny karazan-javatra rehetra ny anatra. Io koa dia miresaka momba ny anatra toy ny hoe olona.
Ireo andian-teny telo ireo dia mitovitovy hevitra ihany, ary miara-mampiseho ireo fananarana isan-karazany izay ampianarin'ny ray sy reny ireo.
Izy telo rehetra ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary averimberina mba hanindriana fa mahatsara sy mahamora ny fiainana kokoa ny anatra. DH: "fanilo tena ilaina ... tena manampy tahaka ny fahazavana ao amin'ny aizina ... tena ilaina arahina tahaka ny lalan'ny fiainana"
"ny lalana mitondra ho amin'ny fiainana" na "ny fomba fiainana izay eken'Andriamanitra''
Eto ny teny hoe "izany" dia manondro ireo anatra nampianarin'ny ray sy ny reny tao amin'ny 6:20. DH: "Mamonjy anao amin'ny"
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany. Jereo ny fomba nandikanao ny teny hoe "vehivavy janga" ao amin'ny 5:3
"ratsy ara-moraly"
"izay tsara tarehy eo aminy"
"hahazo fifehezana eo amin'ny"
Ny "volomaso" dia entina ilazana ireo zavatra tsara eo amin'ny vatany izay ampiasainy hisarihana ny sain'ny lehilahy iray. DH: "ny masony tsara tarehy"
Miresaka momba ny vidy ara-materialy io, fa tsy ny vidy ara-panahy na ara-moraly. DH: "kely fotsiny"
Ireo mety hoe heviny dia 1) hamotika ny fiainanao ny vadin'ny lehilahy hafa satria mitady mihoatra foana izy na 2) hihaza anao ka hamono anao ny vadin'ilay vehivavy hafa.
Ho loza tokoa io fihetsika io ary hahatonga ratra. Ny valiny ao ambadiky ny fanontaniana dia hoe "tsia". DH: "Ny olona rehetra izay mitondra afo eo an-tratrany dia handoro ny akanjony."
"ka tsy hamotika"
Ny akanjony dia entina ilazana azy amin'ny maha-olona azy manontolo.
Ny fandehanana amin'ny vain'afo mahamay dia mampitsovaka ny tongotr'olona, koa ny valin-teny andrasana dia "tsia." DH: "Izay olona rehetra mandeha amin'ny vain'afo mahamay dia hitsova-tongotra."
Entina ilazana ny fijangajangana io.
Mandeha moramora amin'ny lalan-davitra, tsy mampiasa ody na mosavy izany.
"may"
"hankahatra ny mangalatra" na "tsy hihevitra fa ratsy ny mpangalatra"
Io dia azo atao hoe DH: "raha misy mahatratra azy"
Io hevitra ambadika io dia manambara fa ny zavatra rehetra ao an-tranony no hananany. DH: "izay hananany"
"ny olona" na "Ny lehilahy"
"ny famaizana mifanaraka amin'izay nataony"
Mampiasa ny teny hoe "fahafaham-baraka" io hevitra ambadika io mba entina ilazana ny fahatsapan'ilay manao zavatra amin'ny fomba mahamenatra. DH: "ny fahatsiarovana ny asa mahamenatra ataony"
Mampiasa ny teny hoe "tsy ho voafafa" io hevitra ambadika io mba entina ilazana ny maha-eo an'izany foana. DH: "hitoetra hatrany"
"sosotra mafy"
Ny hoe "izy" dia ilay namana izay nijangajanga tamin'ny lehilahy hafa ny vadiny. DH: "tsy ho ferany ny fanaitainana hataony aminao" na "hamely anao araka izay vitany izy"
"amin'ny fotoana hamaliany faty" na "rehefa tonga ny fotoana izay hamaliany faty"
Raha mamaly faty ny olona iray, dia mba hahatonga ratra amin'ilay olona nandratra azy voalohany izany.
"izay aloa"
Io dia azo atao hoe DH: "tsy afaka mandoa vola ampy hanova ny heviny ianao"
"Ho marina izany na dia"
"manolotra" na "mampanantena"
1 Ry zanako, tandremo ny teniko ary raketo ao anatinao ireo didiko. 2 Tandremo ny didiko mba ho velona ianao ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny fampianarako. 3 Fehezo eo amin'ireo rantsan-tananao ireny; soraty eo amin'ny vato fisaky ny fonao ireny. 4 Lazao ny fahendrena hoe: "Anabaviko ianao," ary antsoy hoe havanao akaiky ny fahazavan-tsaina, 5 mba hitandremanao ny tenanao amin'ny vehivavy janga, amin'ny vehivavy ratsy fitondran-tena miaraka amin'ny teniny malama. 6 Teo amin'ny varavarankelin'ny tranoko dia nitazana tany ivelany avy teo amin'ny makarakara aho. 7 Nitazana ireo olona kely saina aho, ary voamariko tamin'ireo tanora ny zatovo iray izay tsy nisy saina. 8 Nandalo teo amin'ny arabe akaikin'ny kihon-dalany izany tovolahy izany, ary nizotra nakany an-tranony. 9 Somambisamby tamin'izany, tamin'ny andro hariva, sy tamin'ny fotoan'ny alina sy ny aizina. 10 Nisy vehivavy nitsena azy, niankanjo tahaka ny mpivaro-tena, izay fetsy am-po. 11 Sady vavàna izy no maditra; tsy mahajanona ao an-trano ny tongony. 12 Vetivety eny an-dalambe, avy eo eny an-tsena, ary eny an-joron-trano rehetra eny izy no miandry mamitsaka. 13 Koa dia nisavika azy izy ka nanoroka azy, tamin'ny tarehy nisolantsolana no nilazany taminy hoe: 14 "Nanao fanati-pihavanana aho androany, nanefa ireo voadiko aho, 15 koa dia nivoaka hitsena anao aho, mba hitady fatratra ny tavanao, ary dia nahita anao aho. 16 Efa namelatra lamba firakotra, rongony fotsy miloko avy tany Egypta, teo amin'ny fandriako aho. 17 Efa nandrarahako miora, havozo, ary kanelina ny fandriako. 18 Avia, andeha isika hivoky fitia mandra-maraina; andeha isika haka fahafinaretana amin'ny fitiavana. 19 Fa tsy ao an-tranony ny vadiko; lasa nivahiny lavitra izy. 20 Nitondra kitapom-bola niaraka taminy izy; hiverina izy amin'ny fotoan'ny fenomanana." 21 Tamin'ny resa-be no nitaomany azy; tamin'ny halaman'ny molony no namitahany azy. 22 Nandeha nanaraka azy avy tao aoriana tampoka tahaka ny omby entina ho vonoina, tahaka ny diera voasambotra anaty fandrika izy, 23 mandra-pitsatoky ny zana-tsipìka eo amin'ny atiny. Tahaka ny vorona izay mitsoriaka ho eo amin'ny fandrika. Tsy fantany fa hahafaty ny ainy izany. 24 Koa mihainoa ahy ianareo, ry zanako lahy; tandremo ireo tenin'ny vavako. 25 Aoka tsy hivily amin'ireo lalany anie ny fonareo; aza mivily amin'ireo lalan-disony. 26 Nahalavo olona voatrobaka maro izy; maro dia maro ireo niharan'ny fahafatesana azony. 27 Eny amin'ny lalana mankany amin'ny Fiainan-tsy hita ny tranony; midina mankany amin'ny efitrano fandriana maizin'ny fahafatesana izy ireo.
Eto ny mitandrina dia midika hoe mankatoa. DH: "ankatoavy ny teniko"
Eto ny didin'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona atao ao anaty trano fitehirizana. DH: "tadidio ny didiko"
Eto ny mitandrina dia maneho ny fankatoavana. DH: "ankatoavy ny fampianarako"
Ny anakandriamaso dia ny ivon'ny maso, izay arovan'ny olona ho azy tsotra izao rehefa misy zavatra manidina mankeo amin'ny tarehiny. Eto ny "anakandriamaso" dia maneho izay rehetra omen'ny olona lanja sy arovany indrindra. DH: "tahaka ny fanananao sarobidy indrindra"
Ireo mety ho heviny dia 1) tian'ny mpanoratra ny zanany mba handrakitra ny didy sasany avy amin'Andriamanitra eo amina peratra ka hanao izany, na 2) tian'ny mpanoratra ny zanany mba hahatsiaro hatrany ny didin'Andriamanitra, toy ny hoe manao karazam-peratra iray izy.
Eto ny fo dia entina ilazana ny sain'ny olona iray, ary ny fahatsiarovana tsara ny zavatra iray dia resahina toy ny hoe manoratra izany eo amin'ny vato fisaka ilay olona. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 3:3. DH: "tsarovy tsara toy ny hoe nosoratanao teo amin'ny vato ny didiko"
Eto ny fahendrena dia resahina toy ny hoe olona. DH: "Omeo lanja tahaka ny hitiavanao ny anabavinao ny fahendrena"
Eto ny fahatsaran'ny fahazavan-tsaina dia resahina toy ny hoe havana akaiky na havana. DH: "raiso toy ny fandraisanao ny havanao akaiky ny fahazavan-tsaina"
"havana" na "isam-pianakaviana"
Io dia manondro izay vehivavy rehetra izay tsy vadin'ny lehilahy iray. DH: "ny vehivavy izay tsy misy idiranao"
o dia manondro izay vehivavy rehetra izay tsy fantatry ny lehilahy.
Ny teny iniana hamitahana dia resahina toy ny hoe zavatra malama. DH: "izay milaza zavatra mahafinaritra, saingy te hamitaka anao"
Sarona iray eo amin'ny varavaran-kely izay natao tamin'ny kofehy madinika vita amin'ny hazo izay mifandipatra amin'ny endrika mitsotsorika izay manome fisokafana miendrika efa-joro.
"tsy manan-traikefa" na "tsy matotra"
Eto ny mpisolotena tampisaka "-ny" dia manondro izay vahiny vavy rehetra, araka ny nolazaina tao amin'ny 7:4. Nijoro teo amin'ny kihon-dalana iray izy, niandry lehilahy tsara handalo. DH: "ny kihon-dalana izay nisy vehivavy vahiny nijoro"
Entina ilazana ny fifanenan'ny lalana roa izany.
ny fotoana rehefa miha-maizina ny andro ka efa madiva ho alina
Eto ny "fo" dia entina ilazana ny fihevitra na tetika. DH: "nitetika ny hamitaka olona izy"
"Niteny mafy izy ary nanao fihetsika araka ny fomba niriany nanaovana azy"
Ny andian-teny hoe "ny tongony" dia maneho ilay vehivavy. DH: "tsy nijanona tao an-trano izy"
Eto ilay vehivavy dia resahina toy ny hoe miomana ny hamandrika olona na biby mivantana izy. Ary koa, ny hevitra aroson'ny famandrihana olona eto dia maneho ny fandresana lahatra ny olona iray mba hanota. DH: "niandry mba hamandrika olona izy" na "niandry mba hahita olona afaka ho reseny lahatra hanota izy"
Ny hoe "izy" dia manondro ilay vehivavy izay naroso tao amin'ny 7:10.
"nihazona azy mafy"
Eto ny hoe "nisolantsolana" dia entina ilazana hoe "maditra." Ny "tarehy misolantsolana" dia midika hoe endrika maditra eo amin'ny tarehin'ny olona iray. Izany dia misy hevitra ambadika hoe manao fihetsika amin'ny fomba maditra ilay vehivavy, hany ka minia manao izy fantany fa tsy mety. DH: "tamin'ny endrika tsy nisy henatra teo amin'ny tarehiny"
Eto ny "voady" dia maneho izay nampanantenain'ny olona iray hatao sorona ho an'Andriamanitra. DH: "Nataoko ny sorona izay nampanantenaiko tamin'Andriamanitra"
Eto ny "tava" dia maneho ilay olona ary indrindra fa ny fanatrehan'ilay olona io. DH: "nitady anao" na "nitady izay misy anao"
"namafy ... ny fandriako
Karazan-kazo misy fofona manitra.
Hanitra avy amin'ny hodi-kazo izay manitra sady tsara tsiro io.
Eto ny fahafinaretan'ny fitiavana feno faharaiketam-pitia dia resahina toy ny hoe zavatra tsara sotroina. DH: "andeha isika hiray araka izay itiavantsika azy"
"tsy ao an-trano"
Atao hoe fenomanana ny volana rehefa boribory tsara, mazava amin'ny famirapiratany indrindra.
Ny fandresena lahatra ny olona mba hanao zavatra amin'ny fomba iray dia resahina toy ny hoe manova ny lalan-kizoran'ilay olona nandeha. DH: "nandreseny lahatra azy"
Ny "izy" dia ilay vehivavy manambady izay te hiara-handry amin' "azy", ilay tovolahy.
Eto ny "molotra" dia entina ilazana izay lazain'ny olona iray. Rehefa mandoka ny olona iray amin'ny filazana zavatra tsy avy ao am-po ny olona iray, dia resahina toy ny hoe zavatra malama ireo teny ireo. DH: "teny mandoka, mamitaka"
"no nandreseny lahatra azy mba hanao zavatra ratsy" DH: "no nandreseny lahatra azy mba hanota miaraka aminy"
Toa misy hevitra ambadika izany fa fotoana fohy dia fohy no nalain'ilay tovolahy mba hisainana ny amin'izay tokony hataony. DH: "Nanapa-kevitra faingana ny hanaraka azy izy"
Ny fomba feno havendranana sy tsy nampoizina nanarahan'ilay tovolahy ilay vehivavy janga dia ampitahaina amin'ny tsy fahafantaran'ireo biby telo ny loza manjo azy.
Entina ilazana ny famonoana biby mba hihinana ny henany io.
Adikao araka ny ao amin'ny 5:18 io biby io.
Io andalana io dia misy hevitra ambadika fa nisy mpihaza namandrika ilay diera mba hitifitra azy amin'ny lefona. DH: "mandra-pitifitry ny mpihaza izany eo amin'izay manan-danja indrindra eo aminy"
Eto ity taova ity dia entina ilazana ampahany iray tena manan-danja eo amin'ny vatana.
Io dia fomba entina ilazana fa ho faty io olona io vokatr'izany. DH: "hamono azy izany" na "ho faty tsy ho ela izy"
Io dia natao mba hampifantoka ny sain'ireo zanak'ilay miteny amin'ny tsoa-kevitra avy amin'ity lesona ity.
Eto ny "lalana" dia midika hoe lalana izy safidian'ny olona iray mba handehanana. Maneho ny toetran'ilay olona, ireo zavatra nanapahany hevitra mba hatao eo amin'ny fiainana izany. DH: "Alaviro amin'ny lalan'ny vehivavy janga ny fonao" na "Aza avela hitady hanao ireo zavatra ataon'ny vehivavy janga ny fonao"
Eto ny "fo" dia maneho izay irian'ny olona iray. DH: "ianareo"
Mitovy dika amin'ilay fehezanteny teo alohany ihany io. Mampafonja ilay fampitandremana voalohany io. DH: "aza mandao ny lala-marina mba handeha amin'ny lalany"
Ny hoe voatrobaky ny lefona na tsipika dia entina ilazana ny hoe voavono. DH: "Nahatonga ny olona maro ho faty lavo izy"
Eto ny "lalana'' dia maneho ny karazan-toetra izay hiarahan'ny adala manao. Ny Fiainan-tsy hita no anarana ilazana ny tontolon'ny maty.
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary averina mba hanindriana fa izay lasibatr'ilay vehivavy dia ho potika.
Io fomba fiteny io dia maneho kisarisarin'ny maty matory any anaty efitra samihafa any amin'ny Fiainan-tsy hita.
1 Tsy miantso mafy ve ny Fahendrena? Tsy manandra-peo ve ny Fahazavan-tsaina? 2 Eo amin'ireo tampon-kavoana akaikin'ny lalana, ao amin'ireo sampanan-dalana, no hijoroan'ny Fahendrena. 3 Eo anoloan'ireo vavahady ao amin'ny fidirana mankany an-tanàna, eo amin'ny fidirana mankao an-tanàna, no hiantsoany. 4 "Ianareo, ry vahoaka, no antsoiko; ny feoko dia ho an'ireo zanak'olombelona. 5 Ianareo izay bado, mianara fahendrena; ary ianareo izay adala, manàna fahazavan-tsaina ianareo. 6 Henoy, satria miresaka ireo zavatra mendri-kaja aho, ary rehefa misokatra ny molotro dia hilaza zavatra marina ah. 7 Fa ny vavako milaza izay mendri-pitokiana, ary ny faharatsiana maharikoriko ny molotro. 8 Ny tenin'ny vavako rehetra dia marina; tsy nisy miolakolaka na fitaka amin'ireo. 9 Mahitsy ho an'ny olona izay mahatakatra azy ireo; iireo teniko dia marina ho an'ireo izay mahita fahalalana. 10 Mandraisa ny fampianarako fa tsy ny volafotsy; mandraisa fahalalana fa tsy ny volamena tsy mifangaro. 11 Fa tsara noho ny firavaka ny Fahendrena; tsy misy harena mitovy aminy. 12 Izaho, Fahendrena, dia miara-monina amin'ny Fitandremana, ary manana fahalalana sy fahamalinana. 13 Ny tahotra an'i Yaveh dia mba hankahalana ny ratsy. Halako ny fieboeboana sy fiavonavonana, ny fomba ratsy, sy ny teny ratsy. Halako ireo. 14 Manana torohevitra tsara sy fahendrena marina aho; lalin-tsaina aho; ahy ny hery. 15 Amin'ny alalako no anjakan'ireo mpanjaka—ireo lehilahy manan-kaja ihany koa, sy ny rehetra izay mifehy amin'ny fahamarinana. 16 Amin'ny alalako no anapahan'ireo andriandahy, ireo manan-kaja, sy ny rehetra izay mifehy amin'ny fahamarinana. 17 Tiako izay tia ahy, ary ireo izay mitady ahy fatratra, dia hahita ahy. 18 Ao amiko ny harena sy voninahitra, harena maharitra ary fahamarinana. 19 Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny na ny volamena tsara indrindra aza; tsara noho ny volafotsy madio ny vokatro. 20 Mandeha amin'ny lalan'ny fahamarinana, afovoan'ireo lalan'ny marina aho. 21 Vokatr'izany, dia ataoko mandova harena ireo izay tia ahy; fenoiko ny fitehirizan-drakitr'izy ireo. 22 Nahary ahy Yaveh tamin'ny fiandohana, ny asany voalohany tamin'izany. 23 Fahiny ela be dia ary aho—hatrany am-boalohany, hatramin'ny fiandohan'ny tany. 24 Talohan'ny nisian'ny ranomasina, dia teraka aho—talohan'ny nahatondraka rano ireo loharano. 25 Talohan'ny nametrahana ireo tendrombohitra ary talohan'ireo havoana, dia teraka aho. 26 Efa teraka aho talohan'ny naharian'Andriamanitra ny tany na ny saha, eny fa na dia ny vovoka voalohany tamin'izao tontolo izao aza. 27 Efa teo aho fony nametraka ny lanitra Izy, fony Izy nanoritra boribory tany amin'ny faritry ny lalina. 28 Efa teo aho fony Izy nametraka ny rahona ambony ary fony namboarina ireo loharano tany amin'ny lalina. 29 Efa teo aho fony Izy namaritra ny fetran'ny ranomasina, koa dia tsy nihoatra ny fandidiany ireo rano, ary fony namaritana ny fanorenana ny tany maina. 30 Mpanao asa tanana tena mahay teo anilany aho; izaho no fifaliany isan'andro isan'andro, mifaly mandrakariva teo anoloany aho. 31 Nifaly tao amin'ny tontolony rehetra aho, ary ny fifaliako dia tao amin'ireo zanak'olombelona. 32 Ankehitriny, ry zanako, mihainoa ahy, fa ireo izay mitandrina ireo lalako dia ho voatahy. 33 Mihainoa ny fampianarako ka hendre; aza manao tsinontsinona izany. 34 Izay mihaino ahy dia ho voatahy. Hiambina isan'andro eo am-baravarako izy, miandry akaikin'ireo tsangatsangan'ireo varavarako. 35 Fa na iza na iza mahita ahy, dia mahita fiainana, ary hahita sitraka amin'Andriamanitra izy. 36 Fa izy izay tsy mahita, dia manimba ny ainy ihany; ireo rehetra izay mankahala ahy dia tia fahafatesana."
Ato amin'ny toko faha 8 dia resahina toy ny hoe vehivavy izay mampianatra ny olona mba ho hendry ny fahendrena.
Fifanindriana andalana ny andininy maro ato amin'ny toko faha 8.
Ampiasaina io fanontaniana io mba hampatsiahivana ny mpamaky ny amin'ny zavatra iray izay efa tokony ho hainy. DH: "Miantso mafy ny fahendrena"
Eto ny fahendrena dia alaina sary an-tsaina hoe vehivavy. Raha misy fiteny tsy mamela io karazana sarinteny io, ny ireo mety ho dikan-teny hafa dia: 1) "Tsy tahaka ny vehivavy izay miantso mafy ve ny fahendrena?" na 2) "Tsy misy vehivavy antsoina hoe Fahendrena miantso mafy ve?"
Eto ny "Fahazavan-tsaina" dia mitovy dika amin'ny hoe "Fahendrena" ihany.
Tamin'ny andron'ny ntaolo, matetika ireo tanàna dia nisy manda ivelany misy vavahady.
Manohy maneho ny Fahendrena, natao toy ny hoe vehivavy io.
Miresaka amin'ireo olona ny Fahendrena ao amin'ny andininy 4-36.
Eto ny "feo" dia maneho ny teny izay lazaina. DH: "ny teniko dia ho an'ireo zanak'olombelona"
Io sarinteny io dia maneho ny olombelona rehetra. DH: "ny olona rehetra"
"tsy manan-traikefa" na "tsy matotra"
Ny teny hoe "fahendrena" dia maneho izay inoan'ilay olona hendry sy ny fomba ataony. DH: "ianaro ny fomba fanaon'ny olon-kendry" na "ianaro ny dikan'izany hoe hendry izany"
Ny fahatakarana zavatra dia resahina toy ny hoe mahazo saina izay afa-mahatakatra. DH: "aoka hanomboka hahatakatra zavatra amin'ny sainao ianao"
Eto ny "molotra" dia maneho ny vavan'ny olona iray, izay entiny hiresahana. DH: "rehefa manokatra ny vavako mba hiteny aho"
"mety" na "ara-drariny"
Eto ny "vava" dia maneho olona izay miteny. DH: "miteny aho"
"izay tokony hinoan'ny olona"
Eto ny "molotra" dia maneho olona izay miteny. DH: "maharikoriko ahy ny faharatsiana" na "ny filazana zavatra ratsy dia haharikoriko ahy"
Eto ny anarana hoe "faharatsiana" dia entina ilazana teny ratsy.
Eto ny "teny" dia maneho hafatra na fampianarana. Ary koa, ny "vava" dia entina ilazana ilay olona miteny. DH: "Ireo zavatra ampianariko"
"diso"
"marina sady mazava"
Mety hidika io fa ireo izay mahita fahalalana dia hahazo mora foana fa marina ny tenin'ilay miteny. Eto ny "teny" dia maneho hafatra na fampianarana. DH: "ireo izay mahalala ny marina sy ny tsy mety dia mandray izay ampianariko ho marina"
"Tokony hiezaka ny hahatakatra ny fampianarako mafimafy kokoa mihoatra ny hahazo volafotsy"
Eto ny Fahendrena, izay noraisina toy ny hoe vehivavy, dia tsy miteny. Kanefa, azo atao ny mampiteny ny Fahendrena koa eto. DH: "Fa izaho, Fahendrena, dia tsara noho ny firavaka; tsy ,misy harena sahala amiko"
Atao toy ny hoe olona ihany koa ny Fitandremana eto.
"fitsarana tsara"
Ny hevitra mila takarina hoe "fahalalana" sy "malina" dia azo lazaina amin'ny fomba hafa. DH: "Izaho dia mahalala sady malina" na "mahalala zavatra maro aho, ary mitandrina tsara"
mitandrina ny amin'izay lazaina sy ataontsika; mitandrina mba tsy handratra na hanisy ratsy ny hafa
"firesaka ratsy"
nivadika tamin'izay marina
"tolo-kevitra hendry"
tolo-tsaina izay omena mba hanampy olona iray
tsara, azo iankinana
Eto ny fahendrena dia resahina toy ny hoe lalin-tsaina. DH: "Manana fahalalinan-tsaina aho"
olom-be, mitarika ny isam-pianakaviana manan-danja eo amin'ny firenena
Maneho ny fitiavan'ny mpirahalahy na fitiava-namana na fianakaviana io. Fitiavan'olombelona voajanahary misy eo amin'ny mpinamana na mpihavana io.
amin'ny ezaka feno fitandremana sy mitohitohy
"manana harena sy voninahitra aho"
Manazava ny tiana ho lazaina amin'ny hoe "harena sy voninahitra" io. Azo atao mazava kokoa amin'ny mpampitohy "noho izany" io. DH: "noho izany, dia hanome harena maharitra sy fahamarinana ho an'ireo izay mahita ahy aho"
"ny fahafahana miaina amin'ny fomba marina"
izay vokarin'ny fahendrena
ny tombony na azo avy amin'ny fahendrena
Ny fiainana amin'ny fomba marina dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lalana marina. DH: "Miaina tsara aho" na "Manao izay marina aho"
Io dia milaza izay tiana ho lazaina amin'ny hoe "ny lalan'ny marina." DH: "Ataoko izay marina tanteraka" na "izay marina ihany no ataoko"
trano fitehirizana zavatra sarobidy. Ny fahendrena dia resahina toy ny hoe vehivavy izay mameno ny fitehirizan'ireo mpanaraka azy amin'ny zava-tarobidy.
"izaho no voalohany amin'ireo zavatra nohariany"
"Taloha efa ela be"
Ny teny hoe "fahiny" eto dia entina ilazana fe-potoana lava amin'ny ankapobeny.
Azo atao hoe DH: "Noharian'Andriamanitra aho"
Ny hevitra avy amin'ny hoe fiandohana dia azo adika amin'ny fomba tsy dia mila takarina kokoa. DH: "nanomboka tamin'ny naharian'Andriamanitra ny tany"
Manohy miresaka ny Fahendrena.
"Talohan'ny nametrahana ny foto-tendrombohitra teo amin'ny toerany." Azo atao koa hoe DH: "Talohan'ny nanamboaran'Andriamanitra ny fototry ny tendrombohitra sy nametrahany azy teo amin'ny tokony hitoerany"
Ny Fahendrena miresaka momba azy ihany io.
"velona aho"
Ny fametrahana zavatra dia mahatonga zavatra iray hoe eo amin'ny fototra marina. DH: "nahary" na "nanao"
Entina ilazana ny fametrahana fetra ahafahan'ny olona iray ao anaty sambo eny an-dranomasina mahita ny manodidina azy io. DH: "rehefa nomarihiny teo amin'ny faritry ny ranomasim-be izay farany lavitra mety hahitan'ny olona eny an-dranomasina ny lalana rehetra"
"ny ranomasim-be"
Manohy miresaka ny Fahendreana.
nasiana tamin'ny fomba mitoetra
Io dia azo atao hoe DH: "fony nanamboatra ireo loharano tany amin'ny lalina Andriamanitra"
Ny Hebreo fahiny dia nihevitra fa avy amin'ny loharano tany amin'ny fanambanin'ny ranomasina no nahazoan'ny ranomasim-be ny ranony.
"fony nahariany ny sisiny ho an'ny ranomasim-be. Ny "fetran'ny ranomasina" no nanasaraka ny ranomasim-be tamin'ny tany maina.
Io dia azo atao hoe DH: "fony nametraka ny fetra ho an'ny fanorenana ny tany Andriamanitra"
Mbola miteny ihany ny fahendrena. Izao ny fahendrena dia milaza fa eo akaikin'i Yaveh, izay midika fa mpanampy azy tamin'ny fahariana izao tontolo izao izy.
Olona nofanina nandritra ny taona maro mba hahatsara tokoa ireo zavatra tena ilaina, tahaka ny fanaka na trano.
"loharanom-pifaliana" na "antony hifaliana"
Fomba hanehoana ny hevitra ilazana ny fanao mahazatra na toe-javatra mitohitohy io. DH: "hatrany hatrany" na "amin'ny fotoana rehetra"
"ny tontolo rehetra nohariany" (UDB) na "izay rehetra nohariany"
Manondro ny olombelona amin'ny ankapobeny io. DH: "ireo olona nataony ho nisy"
Io dia natao mba hampifantoka ny sain'ny zanaka amin'ny tsoa-kevitr'ity lesona ity.
Mbola ny fahendrena miresaka momba azy ihany io.
Eto ny "lalako" dia maneho ny toetran'ny fahendrena. DH: "ireo izay manao izay ampianariko" na "ireo olona izay manaraka ny ohatro"
"aza odiana fanina" DH: "ataovy azo antoka ny hihainoanao" na "ataovy azo antoka ny hanarahanao"
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany. Ny fahendrena dia faritana toy ny hoe manana trano; ireo mety ho hevitry ny "miambina" dia 1) ny olon-kendry dia miandry eny ivelan'ny tranon'ny fahendrena amin'ny maraina mba hanompo azy, na 2) ny olon-kendry dia miandry eny ivelan'ny tranon'ny fahendrena mba hidirany ka hampianatra azy.
Mbola ny fahendrena miresaka momba azy ihany io.
Eto ny "aina" dia maneho ny tenan'ny olona iray.
1 Nanamboatra ny tranony manokana ny fahendrena; nanao asa sokitra andry fito avy tamin'ny vatolampy izy. 2 Namono ireo bibiny izy; nampifangaro ny divainy izy; ary nametraka ny latabany. 3 Naniraka ireo mpiasa an-tranony izy; niantso teny amin'ireo toerana avo indrindran'ny tanàna izy hoe: 4 "Iza no bado? Aoka izy hanatona ety!" Ho an'izay tsy ampy saina tsara no nitenenany. 5 "Avia, hano ny sakafoko, ary sotroy ny divay noharoiko. 6 Ilaozy ireo fihetsikao bado ary miveloma; mandehana amin'ny lalan'ny fahazavan-tsaina. 7 Na iza na iza mananatra ny mpaniratsira dia handray fanararaotana; ary na iza na iza hiteny mafy ny ratsy fanahy dia handray ireo faniratsiràna. 8 Aza mananatra ny mpaniratsira, raha tsy izany dia ho halany ianao; 9 anaro ny olon-kendry, dia ho tiany ianao. Manomeza ny olon-kendry, dia ho tonga hendry kokoa izy; ampianaro ny olo-marina, dia hanampy ny fianarany izy. 10 Ny fahatahorana an'i Yaveh no fiandoham-pahendrena, ary ny fahalalana Ilay Masina no fahazavan-tsaina. 11 Fa amin'ny alalako no hihamaroan'ny andronao; ary hampiako taona maro ny fiainanao. 12 Raha hendry ianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany, ary raha maniratsira ianao, dia hitondra izany amin'ny tenanao ihany." 13 Ny vehivavin'ny adalana dia tsy mahalala, tsy nobeazina izy ary tsy mahafantatra na inona na inona. 14 Mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy; eo amin'ny seza amin'ny toerana avo indrindra amin'ny tanàna. 15 Miantso ireo izay mandalo amin'ireo lalana izy, amin'ny olona izay mandeha mahitsy amin'ny lalan'izy ireo. 16 "Na iza na iza bado aoka izy hiverina eto indray," hoy izy amin'ireo izay tsy misy saina. 17 "Mamy ny rano nangalarina, ary matsiro ny mofon'ny tsiambaratelo." 18 Fa tsy fantany fa any ny maty, fa ireo vahiny nasainy dia any amin'ny halalin'ny Fiainan-tsy hita.
Ireto andininy ireo dia manomboka ny fanoharana izay hiheverana ny fahendrena ho toy ny vehivavy izay manome torohevitra tsara amin'ny olona.
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe vvehivavy izay nanorina ny tranony ihany ny fahendrena.
Entina ilazana ireo biby izay hohanina amin'ny sakafo hariva izay anasan'ny Fahendrena ny henany. DH: "Efa namono biby hankana hena amin'ny sakafo hariva izy"
Tany amin'Israely fahiny, ny olona matetika dia nampifangaro divay tamin'ny rano. DH: "nikarakara ny divainy tamin'ny fampiharoana izany tamin'ny rano"
"nanomana ny latabany"
Ireto andininy ireo dia manomboka manome ny hafatry ny Fahendrena, izay raisina ho toy ny vehivavy.
Nivoaka ary nanasa olona ho avy amin'ilay fety izay nokarakarain'ny Fahendrena ireo mpiasa an-trano ireo.
Tovovavy na zazavavy izay manompo vehivavy lehibe, manan-kaja, tahaka ny Fahendrena.
"nanambara" na "nampiantso" DH: "mamerina ny fanasany mafy izy"
Vazavazaina eny amin'ny tendrony avo indrindra ilay fanasana mba ho ren'ny olona tsara.
Ireo andian-teny roa ireo dia mamaritra ireo vondron'olona mitovy ihany, dia ireo izay mila fahendrena bebe kokoa eo amin'ny fiainany. Eto dia apetraka amin'ny olona rehetra tahaka izany ny fanontaniana. DH: "Izay rehetra bado, aoka ... izay rehetra tsy ampy saina tsara"
"tsy manan-traikefa" na "tsy matotra"
"miala amin'ny lalany ka mankaty an-tranoko"
Manohy ny hafatry ny Fahendrena ireto andininy ireo.
Ireo fandidiana rehetra ireo dia manondro olona maro; miresaka amin'olona maro amin'ny fotoana iray ny Fahendrena.
Tany amin'Israely fahiny, ny olona matetika dia nampifangaro divay tamin'ny rano. DH: "nikarakara ny divainy tamin'ny fampiharoana izany tamin'ny rano"
Eto ireo fihetsika bado dia resahina toy ny hoe toerana izay afaka hitoeran'ny olona. DH: "Atsaharo ireo fihetsika badonareo''
"fihetsika tsy misy traikefa, tsy matotra"
Eto ny dingan'ny fahatakarana ny fahendrena dia resahina toy ny hoe lalana izay azon'ny olona arahina. DH: "ny fomba fiainana izay hananan'ny olona hendry"
Manohy ny hafatry ny Fahendrena ireto andininy ireo.
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany.
Olona izay manam-pahazarana maniratsira olona. DH: "olona izay milaza zavatra mandrabiraby olona hafa" (UDB) na "olona izay tia manambany olon-kafa"
"handray fitondrana henjana"
"izay rehetra manitsy"
"Aza manitsy"
Ireo fandidiana roa ireo dia maneho fanambarana misy fepetra. DH: "Raha manome ho an'ny olona hendry ianao, dia ... raha mampianatra ny olo-marina ianao, dia"
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany.
Entina ilazana ny fanomezana fampianarana amin'ny olona hendry io.
Mamarana ny hafatry Fahendrena ireto andininy ireto.
Adikao araka ny ao amin'ny 1:7 io andian-teny io.
Io dia azo atao hoe DH: "hampitombo ny andronao aho" na "hahatonga anao hiaina andro maro aho"
Manohy miresaka ny Fahendrena, izay raisina ho toy ny vehivavy.
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary ampiasaina mba hanindriana ny tombony lehibe hananan'ny fahendrena.
Resahin'ny Fahendrena toy ny hoe zavatra mivaingana ny taona iainana. Io dia azo atao hoe DH: "hampiako taona maro iainana ianao" na "Hampiako taona maro ny fiainanao'' na "hataoko afaka miaina ela kokoa ianao"
Ireo fanambarana roa ireo dia toa midika fa mahazo tombony ho azy ireo ny olon-kendry nohon'ny amin'ny fahendren'izy ireo, ary ny mpaniratsira dia mijaly nohon'ny amin'ny toetran'izy ireo.
Miresaka momba ny toetra ratsin'ny olona iray tahaka ny hoe enta-mavesatra izay tsy maintsy baben'ny olona iray ao an-damosiny io.
Ireto andininy ireto dia manomboka mamaritra ny fahadalana izay raisina ho toy ny hoe vehivavy ihany koa.
Azo atao ny mandika ny "adalana" amin'ny endrika famaritana. DH: "Vehivavy adala." Na izany aza, raha mamela ny fahendrena ho raisina ho toy ny olona ny fiteny iray, tahaka ny teo amin'ny ampahany teo aloha tamin'ity toko ity, dia mety hamela ny fahadalana ho raisina ho toy ny olona ihany koa io. DH: "Ilay Fahadalana vavy"
Ireo fomba fiteny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany, izay averina mba hampiseho ny maha-tsy misy ilaina azy ny vehivavy adala. DH: "tsy mahay na inona na inona akory izy"
"tsy nianatra avy tamin'ny zavatra niainana izy" na "tanora sady vendrana izy"
Toa sarinteny ilazana ny "tsy fiheverana afa-tsy ny azy ihany" na "ny fiheverana ny azy manokana" io.
"tsy manan-traikefa" na "tsy matotra"
"miala amin'ny lalany ka mankaty"
Io ihany ilay vehivavy adala naroso tao amin'ny 9:13.
"ireo izay tsy manam-pahendrena" na "ireo izay tsy hendry"
Miresaka momba ny fahafinaretana avy amin'ny rano nangalarina sy ny mofon'ny tsiambaratelo ireo vehivavy adala mba hitenenana amin'ireo lehilahy mba handry aminy, dia hahazo fafinaretana izy ireo. Azo atao mazava amin'ny endrika fampitahana io: "Mahazo makafy ahy tahaka ny fankafizanao rano izay nangalarinao na mofo izay miafinafina ianao"
"fa ireo lehilahy izay nankany aminy dia efa maty izao"
Ny Fiainan-tsy hita" dia entina ilazana ny tontolon'ny maty.
1 Ohabolan'i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy fa ny zanaka adala mitondra alahelo ho an'ny reniny. 2 Ny harena nangonina tamin'ny faharatsiana dia tsy manan-danja, fa ny fanaovana ny marina no miaro anao amin'ny fahafatesana. 3 Tsy avelan'i Yaveh ho noana ny fanahin'ny olo-marina, fa manafoana ireo fanirian'ny ratsy fanahy Izy. 4 Ny tanana kamo no antony mampahantra ny olona, fa ny tanan'ny olona mazoto mahazo harena. 5 Ny zanaka hendry manangona vokatra amin'ny fahavaratra, fa mahamenatra azy ny matory manditra ny fijinjana. 6 Ireo fanomezana avy amin'Andriamanitra dia eo amin'ny lohan'ny olo-marina, fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia mandrakotra herisetra. 7 Ny olo-marina mampifaly ireo izay mahatsiaro azy, fa ny anaran'ny ratsy fanahy dia ho lo. 8 Ireo izay hendry manaiky ireo didy, fa ny adala mahay vava dia ho rava. 9 Izy izay mandeha am-pahamarinana dia mandeha am-pilaminana, fa izay manao ny lalany ho meloka, dia ho hita. 10 Izy izay mipi-maso dia hahatonga alahelo, fa ny adala be resaka dia hazera. [1]11 Ny vavan'ny olona marina dia loharanon'aina, fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia mandrakotra herisetra. 12 Ny fankahalana manestika ady, fa ny fitiavana manarona ny fahadisoana rehetra. 13 Hita amin'ny molotry ny olona manan-tsaina ny fahendrena, fa tsora-kazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy misy saina. 14 Ny olona hendry dia mitahiry fahalalana, fa ny vavan'ny adala hitondra faharavana hanakaiky. 15 Ny haren'ny olona manan-karena dia ny tanàna mafy oriny; ny fahantran'ny mahantra dia faharavan'izy ireo. 16 Mitondra ho amin'ny fiainana ny karaman'ny olo-marina; ny tombony azon'ny ratsy fanahy dia mitondra azy ireo ho amin'ny fahotana. 17 Misy lalana mankany amin'ny fiainana ho an'izay manaraka ny fitsipi-pifehezana, fa izay mandà famaizana dia mandeha amin'ny lalan-diso. 18 Izay manafina fankahalana dia manana molotra mpandainga, ary izay mampiely endrikendrika dia adala. 19 Raha misy teny maro, dia tsy ilaozan'ny heloka, fa izay mitandrina izay lazainy no hendry. 20 Volafotsy voafantina ny lelan'ny olo-marina; tsy dia misy lanjany ny ao am-pon'ny ratsy fanahy. 21 Ny molotry ny olo-marina mamelona ny maro, fa maty ny adala nohon'ny tsy fahampian'izy ireo saina. 22 Ny fanomezana tsara avy amin'i Yaveh no mitondra harena ary tsy ampiany fanaintainana izany. 23 Kilalao fanaon'ny adala ny fanaovan-dratsy, fa ny fahendrena no fahafinaretan'ny olona manana fahazavan-tsaina. 24 Ny tahotry ny olona ratsy fanahy dia hahavoa azy, fa ny fanirian'ny olo-marina dia homena azy. 25 Ny ratsy fanahy dia toy ny tafio-drivotra izay mandalo, ary tsy eo intsony izy ireo, fa ny olona marina dia fototra izay maharitra mandrakizay. 26 Toy ny vinaingitra eo amin'ny nify ary setroka eo amin'ny maso, dia mba toy izany koa ny malaina amin'izay maniraka azy. 27 Ny tahotra an'i Yaveh no mahela velona, fa ny taonan'ny mpanao ratsy dia ho fohy. 28 Ny fanantenan'ny olo-marina no fifalian'izy ireo, fa ny taonan'ny ratsy fanahy dia ho fohy. 29 Ny lalan'i Yaveh dia miaro ireo izay marina, fa fandriganana ho an'ny ratsy fanahy izany. 30 Ny olona marina tsy ho rava mandrakizay, fa ny ratsy fanahy dia tsy hitoetra amin'ny tany. 31 Avy ao amin'ny vavan'ny olona marina no ihavian'ny vokatry ny fahendrena, fa ny lela mpandainga dia hofongorana. 32 Ny molotry ny olona marina mahalala izay mety, fa ny vavan'ny ratsy fanahy, mahalala izay fitaka.
Andininy maro ato amin'ny Toko faha 10 no fifanindriana andalana izay mifanohitra.
Taorian'ny fampidiran'ny Toko 1-9, ny Toko fa 10 dia manomboka ny fanangonana ireo ohabolana; fiteny fohifohy izay mampianatra fahendrena.
azo rehefa nandeha ny fotoana
Eto ny "fanahy" dia maneho ilay olona. Io dia azo atao amin'ny endrika tsy misy fanoherana. DH: "Ataon'i Yaveh azo antoka fa ireo izay manao ny tsara dia manana hanin-kohanina"
Ny "tanana" dia maneho ny hery sy fahafahan'ny olona iray. DH: "Olona tsy vonon-kiasa"
Ny "tanana" dia maneho ny hery sy fahafahan'ny olona iray. DH: "olona miasa mafy"
Ny "loha" dia maneho ny olona manontolo. DH: "omena ny"
Ny "vava" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "ireo teny lazain'ny ratsy fanahy"
manafina ny marina
Ny "anarana" dia maneho ny lazan'ny olona iray. DH: "fahatsiarovana"
"ho potika" na "hatao tsy misy dikany"
tsy mahitsy; miolakolaka; tsy marina; feno fitaka
Ny hoe "mipi-maso" dia entina ilazana famantarana miafina ny amin'ny maha-lozabe amin'ny olona iray. DH: "Izao manao famantarana amin'ny fihetsika"
Ny olona izay rava dia resahina toy ny hoe nazera izy. DH: "hamotika azy ny hafa"
"Ny tenin'ny olo-marina"
Ny tenin'io olona io dia resahina toy ny hoe biby velona na olona arovana, tahaka ny ataon'ny rano eo amin'ny tany maina.
Ny "vava" dia maneho izay lazain'ny olona. DH: "ny tenin'ny olona rasty fanahy"
Izany hoe, ohatra ny hoe milaza zavatra tsy maninona ny olona ratsy fanahy, kanefa mitetika ny hanao zavatra feno herisetra amin'ny olona hafa.
Manao toy ny olona izay mampangina ny disadisa eo amin'ny olona ny fitiavana fa tsy manetsika izany.
Ny "molotra" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "amin'izay lazain'ny olona mahay mandray"
Ny "tsora-kazo" dia maneho famaizana mafy, ara-batana aru ny "lamosina" dia maneho ilay olona mandray famaizana. DH: "ny olona izay tsy manan-tsaina dia mila famaizana mafy"
Ny "vava" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "ny teny avy amin'ny olona adala"
Entina ilazana ny harena ho tahaka ny toerana azo antokoa io. DH: "fiarovany"
Amin'ny tena izy dia entina ilazana ny vola azon'ny mpiasa iray io fiteny io. Eto ireo dia sady maneho ny vokatry ny fanaovana ny mety sy ny fanaovana ny tsy mety.
"Ny olona izay mankatoa ny fampianarana hendry dia hanana fiainana lava sady falifaly.
"fa izay tsy mankatoa ny fampianarana hendry dia tsy mba hanana fiainana tsara"
Ny "molotra" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "milaza lainga"
"misy fahotana be"
Ny "lela" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "Izay rehetra lazain'ny olo-marina"
Ny "volafotsy" dia maneho teny sarobidy. DH: "tena sarobidy tanteraka"
Ny "molotra" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "ny tenin'ny olo-marina"
mahatonga azy ireo hitombo na hihatanjaka
Ny kilalao dia hetsika ataon'ny olona ahazoana fahafinaretana. DH: "Mahita fahafinaretana amin'ny faharatsiana ny adala"
handresy olona iray
Tahaka ny fahatongavan'ny tafiotra ka mifaoka ny zava-drehetra no hanjavonan'ny olona ratsy fanahy.
Ny "fototra" dia maneho fiorenana na fiantombohan'ny zavatra iray izay aorin'ny olona. DH: "fiandohan'ny zavatra iray izay maharitra mandrakizay"
Ny "vinaigitra" sy ny "setroka" dia entina ilazana ny zavatra izay mamely ny nify sy ny mason'ny olona. DH: "Ny fanirahana olona kamo mba hanatanteraka asa iray dia manirikiry sady mahasosotra"
rano maharikivy ampiasaina mba hanome tsiro na hitehirizana sakafo
Ny "taona" dia maneho ny fotoana iainan'ny olona iray. DH: "ny androm-piainan'ny olon-dratsy"
Ny "taona" dia maneho ny fotoana iainan'ny olona iray. DH: "ny androm-piainan'ny olon-dratsy"
Io dia azo atao hoe DH: "handry fahalemana"
Ny "vava" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "Avy amin'ny tenin'ny olo-marina"
Ny "lela" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "Hampikombona ny vavan'ny olona milaza lainga Andriamanitra"
Ny "lela" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "mahay miteny amin'ny fomba azo ekena ny olo-marina"
Ny "vava" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "ny tenin'ny ratsy fanahy"
1 Halan'i Yaveh ireo mizàna izay tsy marina, fa mankasitraka ny lanja marina izy. 2 Raha tonga ny fireharehana, dia avy ny fahafaham-baraka, fa amin'ny fanetre-tena no hiavian'ny fahendrena. 3 Ny tsy fivadihan'ny mahitsy no mitari-dalàna azy ireo, fa ny lalà-meloky ny mpivadika dia mamotika azy ireo. 4 Zava-poana ny harena amin'ny andron'ny fahavinirana, fa ny fanaovana ny marina dia miaro anao amin'ny fahafatesana. 5 Ny fitondran-tena marin'ny tsy manan-tsiny dia mampahitsy ny lalàny, fa ny ratsy fanahy dia ho lavo nohon'ny haratsiam-panahiny ihany. 6 Ny fitondran-tena tsaran'izay mahafaly an'Andriamanitra dia miaro azy, fa ny mpivadika dia voafandriky ny filan'izy ireo. 7 Rehefa maty ny olona ratsy fanahy, dia levona ny fanantenany ary ny fanantenana izay tao amin'ny tanjany dia tonga zava-poana. 8 Ny olo-marina arovana lavitry ny fahoriana fa tonga amin'ny ratsy fanahy kosa izany. 9 Amin'ny vavany no amotehan'ny mpaniratsira ny namany, fa amin'ny fahalalana no iarovana ny olo-marina. 10 Rehefa ambinina ny olo-marina, dia miravoravo ny tanàna; rehefa levona ny ratsy fanahy, dia misy hiakam-pifaliana. 11 Amin'ny alalan'ireo fanomezan-tsoa izay an'ireo mahafaly an'Andriamanitra, no mahatonga ny tanàna ho lehibe; amin'ny vavan'ny ratsy fanahy, no hahapotika ny tanàna. 12 Ny olona izay manamavo ny namany dia tsy misy saina, fa ny olona manana fahazavan-tsaina dia mangina. 13 Izay rehetra mizotra amin'ny fanendrikendrehana dia mamoaka tsiambaratelo, fa ny olona mahatoky dia mitazona ny raharaha iray hisarona. 14 Raha tsy misy mpitondra hendry, dia hirodana ny firenena, fa ny fandresena dia tonga amin'ny fakana hevitra amin'ny mpanolotsaina maro. 15 Na iza na iza miantoka findramam-bola ho an'ny vahiny dia hijaly mafy tokoa, fa ny iray izay mankahala ny fanomezana antoka amin'izany karazana toky izany no voaaro, 16 Ny vehivavy tsara fanahy dia mahazo voninahitra, fa ny olona masiaka mambabo harena. 17 Ny olona tsara fanahy manome tombony ho an'ny tenany, fa ny iray izay lozabe mandratra ny tenany. 18 Ny olona ratsy fanahy dia mandainga mba hahazoany ny karamany, fa ny iray izay mamafy ny marina dia mijinja ny karaman'ny fahamarinana. 19 Ny olona marina izay manao ny mety dia ho velona, fa ny iray izay manaraka ny ratsy dia ho faty. 20 Yaveh mankahala ireo izay manana fo mivadika, fa mankasitraka ireo izay mandeha tsy manan-tsiny Izy. 21 Izao no ataovy azo antoka—ny olona ratsy fanahy dia tsy ho afa-maina, fa ireo taranaky ny olo-marina dia ho voaaro. 22 Ny vehivavy tsara tarehy tsy misy fahamalinana dia toy ny kavim-bolamena eo amin'ny oron-kiso. 23 Ny fanirian'ny olo-marina miafara amin'ny tsara, fa fahavinirana ihany no azon'ny olona ratsy fanahy antenaina. 24 Misy izay mamafy voa—mahavoangona betsaka lavitra izy; ny hafa tsy mamafy—dia tonga amin'ny fahantrana izy. 25 Ny olona mahalala-tanana dia hambinina ary ny iray izay manome rano ho an'ny hafa dia hanana rano ho an'ny tenany. 26 Ozonin'ny olona ny lehilahy izay mandà tsy hivarotra voa, fa ireo fanomezan-tsoa no satro-boninahitry ny lohan'izay mivarotra izany. 27 Izay mitady fatratra ny soa dia mitady sitraka ihany koa, fa ny iray izay mitady ny ratsy dia hahita izany. 28 Ireo izay mitoky amin'ny hareny dia ho lavo, fa tahaka ny ravina, no hamokaran'ny olo-marina. 29 Izay mitondra korontana ao amin'ny ankohonany ihany dia handova rivotra ary ny adala dia ho tonga mpanompon'ny hendry am-po. 30 Ny olo-marina dia ho toy ny hazon'aina, fa ny herisetra manala aina. 31 Indro! Ny olo-marina mandray izay sahaza azy; mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
Andininy maro ato amin'ny Toko faha 11 no fifanindriana andalana izay mifanohitra.
Ny "mizana" dia entina ilazana ny fandanjana araka ny marina amin'ny fifampiraharana. DH: "halan'Andriamanitra ny mizana mamitaka" na "halan'Andriamanitra rehefa mamitaka ny olona"
Ny "lanja marina" dia maneho ny fahamarinana eo amin'ny fifampiraharana. DH: "fa mankasitraka ny lala-marina Izy" na "fa faly Izy rehefa marina ny olona"
Azo atao amin'ny endrika mpamaritra io mpamaritra anarana io. DH: "olona mpivadika" na "ireo izay mpivadika"
Ny "andron'ny fahavinirana" dia maneho tranga voafaritra iray, tahaka ny "andron'i Yaveh" na "andron'ny fitsarana" na "fara-andro." DH: "Ny haren'ny olona iray dia tsy hahasoa azy rehefa ho avy mba hitsara Andriamanitra"
"manana lalan-kizorana mazava"
Azo atao amin'ny endrika mpamaritra ireo mpamaritra anarana ireo. DH: "ireo izay ratsy fanahy ... ireo izay mpivadika"
"ireo izay manao ratsy dia tratran'ny faniriany ihany"
vonona ny hamadi-pitokisana; mpamadika; mpamitaka
"ny tokiny amin'ny heriny ihany"
"manjavona"
Io dia azo atao hoe DH: "Miaro ny olona izay manao ny marina amin'ny fahoriana Andriamanitra"
"tonga ny fahoriana"
Ny "vava" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "Ny tenin'ny mpaniratsira"
Ny "tanàna" dia maneho ny fiaraha-monina na vondron'olona. DH: "ambinina ny vondron'olona" na "lasa ambinina ny fiaraha-monina"
Ny "vava" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "Ny tenin'ny olon-drasty"
Ny hoe "hisarona" dia entina ilazana ny fanafenana ny zavatra iray araka izay azo atao. DH: "tsy milaza" na "tsy milaza momba ilay raharaha"
ireo izay manome torohevitra ho tari-dalana amin'ny asa iray; mpanoro hevitra
"tsy manaiky hanome"
olona tsy manana hantra na fangorahana; olona lozabe
"olona matin-karena"
"ny olona izay"
Ny hoe "mamafy" dia entina ilazana ny famafazana mba hahazo bebe kokoa.
Ny hoe "mijinja" eto dia meneho ny fahazoana na fanangonana DH: "hahazo valisoa tokoa"
"ny olona izay"
"manenjika ny ratsy" na "mikatsaka ny hanao ratsy"
Ny "fo" dia maneho ny fihetseham-po, toetra ary faharisihan'ny olona iray. DH: "izay manana fihevi-dratsy"
"ho faizina"
Ny vehivavy manja tsy misy fahamalinana dia ampitahaina amin'ny kavina volamena tsy misy ilana azy sady tsy mifanaraka eo amin'ny oron-kisoa.
"tsy misy saina" na "adala"
Ny "famafazana voa" dia maneho ny fiomanana ho amin'ny ho avy. DH: "ny olona izay miomana ho amin'ny ho avy"
"hahazo bebe kokoa"
Ny "mamafy" dia maneho ny fiomanana ho amin'ny vokatra iray. DH: "tsy miomana"
"hahazo bebe kokoa"
"ny olona mahalala-tanana izay" na "izay rehetra"
Io dia mamaritra ny olona izy manangona ny hareny fa tsy manampy ireo sahirana.
Ny "satro-boninahitra" dia maneho ny valisoa na amboara ho an'ny olona izy vonona hivarotra voa. DH: "fanomezan-tsoa no homena ho satro-boninahitra ho an'izay mivarotra izany" na "ny olona izay mivarotra izay dia homem-boninahitra amin'ny fitahiana maro"
izay mikatsaka amin'ny ezaka feno fitandremana sady mitohitohy
Fomba fiteny io. Eto ny hoe "lavo" dia maneho faharavana na tsy fahombiazana. DH: "ho potika" na "manampo ho avy ratsy"
Ny "ravina" dia maneho fitomboana na fanambinana. DH: "ny olo-marina dia ho ambinina tahaka ny hitsimohan'ny ravi-maitso mbola tanora"
Midika izany fa ny olo-marina dia hiroborobo na hambinina
Ny "rivotra" dia zavatra tsy hay samborina. DH: "tsy handova na inona na inona"
Ny olona izay tsy manao ny marina dia ampitahaina amin'ny hazo izay aina no voankazony. DH: "Ireo izay manao ny marina dia hitondra fiainana ho an'ny tenany sy ho an'ny hafa"
Adikao araka ny ao amin'ny 3:17 io.
"koa mihoatra aza"
1 Na iza na iza tia fananarana dia tia fahalalana, fa vendrana izay mankahala fanitsiana. 2 Yaveh dia manome sitraka ny olona tsara, fa manameloka ny olona izay manao teti-dratsy Izy. 3 Ny olona dia tsy ho tafatombina amin'ny faharatsiana, fa ny olo-marina tsy afaka hofongorana. 4 Ny vady mendrika dia satro-boninahitry ny vadiny, fa izay mitondra henatra dia toy ny aretina izay maha-lo ny taolany. 5 Mahitsy ny fikasan'ny marina, fa mamitaka ny toro-hevitry ny ratsy. 6 Ny tenin'ny olona ratsy fanahy dia otrika miandry vintana hamonoana, fa ny tenin'ny mahitsy kosa no miaro azy ireo. 7 Ny olona ratsy fanahy dia fongorina ary lasa izy ireo, fa ny tranon'ny olo-marina kosa dia hijoro. 8 Deraina amin'ny habetsaky ny fahendrena hananany ny olona, fa izay manao safidy ratsy kosa dia atao tsinotsinona. 9 Tsara kokoa ny manana toerana tsy manan-danja— mpanompo fotsiny ihany— noho ny mirehareha amin'ny fahambonianao nefa tsy manan-kohanina. 10 Ny olo-marina dia miahy ny momba ireo filan' ny bibiny, fa na dia ny fangoraham-pon'ny ratsy fanahy aza dia lozabe. 11 Izay miasa ny taniny dia hanana sakafo be, fa na iza na iza manenjika ireo tetikasa tsy misy dikany kosa dia tsy misy saina. 12 Ny olona ratsy fanahy maniry izay nangalarin'ny olon-dratsy tamin'ny hafa, fa ny vokatry ny olo-marina kosa dia avy amin'ny tenan'izy ireo ihany. 13 Ny olon-dratsy dia voafandriky ny resa-dratsiny, fa ny olo-marina kosa dia mandositra ny olana. 14 Avy amin'ny vokatry ny teniny no maha-feno zava-tsoa ny olona, tahaka ny hamalian'ny asan'ny tanany soa azy ihany. 15 Ny lalan'ny adala dia marina eo imasony ihany, fa ny olon-kendry kosa mihaino torohevitra. 16 Ny adala dia mampiseho ny hatezerany am-boalohany, fa izay tsy miraharaha faniratsiràna kosa no malina. 17 Izay miteny ny marina dia milaza izay rariny, fa ny fijoroana vavolombelona diso kosa milaza lainga. 18 Ny tenin'izay miresaka an-kamehana dia tahaka fanindron'ny sabatra, fa mitondra fanasitranana kosa ny lelan'ny hendry. 19 Ny molotra marina dia maharitra mandrakizay, fa ny lela mpandainga kosa ho amin'ny fotoana fohy fotsiny ihany. 20 Misy fitaka ao am-pon'ireo izay manao teti-dratsy, fa hafaliana kosa no avy amin'ireo mpanolo-tsaina fiadanana. 21 Tsy misy aretina tonga amin'ny olo-marina, fa ny olona ratsy fanahy kosa feno olana. 22 Mankahala ny molotra mandainga Yaveh, fa ireo izay miaina amim- pahatokiana kosa no sitrany. 23 Manafina ny fahalalany ny olona hendry, fa ny fon'ny adala kosa mihiaka fahadalana. 24 Ny tanan'ny mazoto dia hanapaka, fa ny olona kamo kosa alefa manao asa an-terivozona. 25 Ny fanahiana ao am-pon'ny olona mampitanondrika azy, fa ny teny soa kosa maharavo azy. 26 Ny olo-marina dia mpitari-dia ho an'ny namany, fa ny lalan'ny ratsy fanahy mitarika azy ireo amin'ny lalan-diso. 27 Ny olona kamo dia tsy hanatono ny hazan'izy ireo, fa ny olona mazoto kosa hahazo harena sarobidy. 28 Ireo izay mandeha amin'ny lala-marina dia mahita fiainana ary tsy misy fahafatesana ny lalan'izany.
Mampiasa fifanindriana andalana ny mpanoratra manerana ity toko ity.
Mampifanohitra ny fahendrena sy ny fahadalana ny andininy 1-15.
"Ny olona rehetra izay"
"ny olona izay tsy te ho tenenina amin'izay tokony hatao"
"adala" na "tsy hendry"
Io dia azo atao hoe DH: "Tsy hisy hilamina sy handry fahalemana amin'ny fanaovan-dratsy"
Ny hoe "hofongorana" dia entina ilazana hoe hongotana avy amin'ny tany tahaka ny zava-maniry na hazo. DH: "dia tsy mihozongozona tahaka ny hazo lalim-paka"
Ny satro-boninahitra dia maneho ny haja lehibe indrindra mety ho azon'ny olona. DH: "Ny vady tsara dia mariky ny voninahitra lehibe ho an'ny lehilahy."
Ny aretina izay maha-lo ny taolana dia maneho ny fahasimban'ny fiainan'ny olona iray. DH: "ny asa mahamenatra ataon'ny vady dia mamotika ny laza sy ny fifalian'ny lahy"
Ny zavatra feno fitaka izay lazain'ny olona ratsy fanahy mba hanisiana ratsy ny hafa dia resahina toy ny hoe miandry hamono olona tampoka ny teniny. DH: "Ireo teny feno fitaka lazain'ny ratsy fanahy dia tahaka ny olona izay miandry ny hamono olona tampoka"
"ny torohevitra avy amin'ny olona mahitsy no miaro ny olona"
"ny olo-marona"
Azo atao hoe DH: "Ho fongoron'ny olona ny ratsy fanahy" na "Ho esosrin'ny olona amin'ny fahefana ny ratsy fanahy"
Ny teny hoe "trano" matetika dia ampiasaina amin'ny endrika misy hevitra ambadika ao amin'ny Baiboly mba hilazana ny razamben'ny olona, taranaka na havana hafa. DH: "fianakaviana" na "taranaka"
Azo atao hoe DH: "Hidera ireo izay manam-pahendrena ny olona"
Azo atao hoe DH: "hankahala ireo ireo izay misain-dratsy mandrakariva ny olona" na "hankahala izay maka ny zavatra tsara ka mamadika izany ho ratsy ny olona"
"Aleo olon-tsotra"
"mahatonga fahoriana"
"fikasana" na "asa"
Entina ilazana ny atao sy fihevitry ny olona io. Tahaka ny hampisehoan'ny voankazo eny amin'ny hazo hoe karazany inona izy, dia toy izany koa ny tenin'ny olona sy ny ataony no mampiseho hoe toy ny ahoana ny toetrany.
Ny hoe "voafandrika" dia entina ilazana hoe tratran'ny fandrika na voafitaka. Io dia azo atao hoe DH: "Ny zavatra ratsy ambaran'ny olon-dratsy no hamandrika azy"
Ny andian-teny hoe "ny asan'ny tanany" dia maneho asa natao ara-batana. DH: "tahaka famalian'ny asa ataony soa azy ihany"
Io andian-teny io dia maneho ny hevitra azony avy amin'ny fandinihany, ny fakany sary an-tsaina na fahatsiarovany ihany. DH: "amin'ny fiheviny ihany"
tolo-kevitra hendry
"no hendry" na "manan-tsaina tsara"
Ny andian-teny hoe "fanindron'ny sabatra" dia maneho teny lozabe izay mandratra ny hafa. DH: "Izay lazain'ny olona tsy am-piheverana dia mety handratra tahaka ny hoe mitrobaka amin'ny sabatra."
Ny "lela" dia maneho izay lazain'ny olona iray. "izay lazain'ny olon-kendry"
"mampahery sady manasitrana"
Ny "molotra" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "Maharitra mandrakizay ny olo-marina"
Ny "lela" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "izay mandainga dia maharitra vetivety fotsiny ihany"
ireo izay manome tolo-kevitra ho tari-dalana amin'ny atao; mpanoro hevitra
Ny teny hoe "Tsy" dia manafoana ny hevitry ny hoe "aretina" (zavatra ratsy mitranga). DH: "Ny zava-tsoa dia tonga"
Ny "molotra" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "Halan'i Yaveh ireo milaza lainga"
"tsy milaza izay rehetra fantany"
Ny "tanana" dia maneho izay ataon'ny olona _ny asany. DH: "Olona mazoto"
Ny "asa an-terivozona" dia mamaritra fa tsy afaka manao izay tiany ilay olona tsy maintsy manao izany. DH: "Ho tonga andevo"
fahatsapana ho tsy mahazo aina na matahotra, mitebiteby
Ny hoe "mampitanondrika" dia entina ilazana ny hevitry ny hoe mametraka enta-mavesatra eo amin'ny olona iray hany ka tsy afa-mihetsika tsara izy. Io andian-teny io dia midika hoe mampalahelo na mampahory olona. DH: "mahatonga azy halahelo na ory"
Ny anarana hoe "teny" dia azo atao amin'ny endrika matoanteny hoe "miteny." DH: "fa rehefa miteny am-pahatsorana aminy ny hafa, dia mahery indray izy"
Ny "haza" dia midika hoe biby tratra na novonoina teo am-pihazana. Ary ny "manatono" dia fomba iray hanamasahana sakafo.
1 Mandre ny fampianaran'ny rainy ny zanaka hendry, fa ny mpaneso dia tsy mihaino fibedesana. 2 Avy amin'ny vokatry ny vavany no isitrahan'ny olona ireo zava-tsoa, fa ny homan'ny mpamitaka dia ho an'ny herisetra. 3 Izay mitandrina ny vavany no miaro ny ainy, fa izay misanasana vava dia handrava ny tenany ihany. 4 Ny homan'ireo olona kamo dia maniry nefa tsy mahazo na inona na inona, fa ny homan'ny olona mazoto dia ho afa-po tanteraka. 5 Ireo olona marina dia mankahala ny lainga, fa ny olona ratsy fanahy dia manao ny tenany ho marikoriko, ary manao izay mahamenatra izy. 6 Ny fahamarinana dia miaro an'ireo izay tsy misy tsiny amin'ny lalany, fa ny faharatsiana mampivadika ireo izay manota. 7 Misy olona mampanan-karena ny tenany, nefa tsy manana na inona na inona mihitsy ary misy olona mahafoy ny zava-drehetra, nefa tena manan-karena. 8 Ny solo vaikan'ny ain'ny olona manan-karena dia ny hareny, fa ny olona mahantra tsy mandre fampitahorana. 9 Miravoravo ny hazavan'ny olo-marina, fa ny jiron'ny ratsy fanahy dia ho vonoina. 10 Fifandirana ihany no ateraky ny avonavona, fa ho an'ireo izay mihaino torohevitra tsara no misy fahendrena. 11 Hihena ny harena rehefa be loatra ny zava-poana, fa ilay iray izay mihary vola amin'ny asan'ny tanany dia hampitombo ny volany. 12 Rehefa mihemotra ny fanantenana, dia mandratra fo izany, fa ny faniriana tanteraka no hazon'aina. 13 Izay mankahala ny fampianarana no mbola hiharan'izany, fa izay manaja ny didy dia hahazo valisoa. 14 Ny fampianaran'ny olon-kendry dia loharanon'aina, manala anao amin'ny fandriky ny fahafatesana. 15 Ny fitandremana tsara dia ahazoana fitia, fa ny lalan'ny mpamadika tsy ho tapitra mandrakizay. 16 Ny olona malina dia mandray ny fanapahan-kevitra rehetra amin'ny fahalalana, fa ny adala dia mampiharihary ny hadalany. 17 Ny iraka ratsy fanahy ho latsaka anaty fahoriana, fa ny iraka mahatoky mitondra fampihavanana. 18 Izay tsy miraharaha fampianarana hahantra sy ho menatra, fa ny voninahitra dia ho tonga amin'izay mianatra amin'ny fanitsiana. 19 Ny faniriana tanteraka mamin'ny fo, fa ny adala mankahala ny fialana amin'ny ratsy. 20 Miaraha lalana amin'ny olon-kendry dia ho hendry ianao, fa ny naman'ny adala dia hijaly amin'ny ratsy. 21 Manenjika ny mpanota ny loza, fa ny olo-marina dia omena valisoa amin'ny tsara. 22 Mamela lova ho an'ny zafiny ny olona tsara, fa ny haren'ny mpanota dia voatahiry ho an'ny olo-marina. 23 Ny saha tsy mbola niasan'ireo mahantra dia afaka mamokatra hanina maro, fa voafafa amin'ny tsy rariny izany. 24 Izay tsy manitsy ny zanany dia mankahala azy, fa izay tia ny zanany dia mitandrina ny hampianatra azy tsara. 25 Ny olo-marina dia hihinana mandra-pahavokiny, fa ny kibon'ny ratsy fanahy dia ho noana mandrakariva.
Eto ny "mandre" dia entina ilazana ny fihainoana mba hanao izay. DH: "Ny zanaka hendry mankatoa"
Eto ny "mihaino" dia maneho fitandremana mba hanao izany. DH: "tsy hianatra avy amin'ny fibedesana" na "tsy hankatoa, na eo aza ny fibedesana"
Eto ny "vokatra" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "Avy amin'ny tenin'ny vavany" na "Avy amin'izay lazainy"
ny faniriana na fitiavana zavatra iray
ireo izay vonona ny hamadika na hamitaka ny hafa
Ny "molotra" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "izay lazainy"
Ny fanokafana ny vava dia entina ilazana ny fitenenana, ary ny fampisanasanana izay dia maneho ny fitenenana matetika loatra na be loatra. DH: "miteny foana" na "be resaka loatra"
Adikao araka ny ao amin'ny 13:1 io.
"maniry mafy kanefa tsy mahazo na inona na inona"
Eto ny "homana" dia maneho faniriana. DH: "ny olona mazoto dia hanana fiainana hafapo tanteraka" na "ny fazotoana no hahafapo tanteraka ny olona"
olona izay miasa amin'ny ezaka feno fitandremana sy mitohitohy
mahatonga fahatsapana ho rikoriko mafy
Ny "fahamarinana" dia maneho ny fomba fiainana eken'i Yaveh. Io toetra tsara io dia manao tahaka ny olona izay miaro. DH: "Ny lalam-piainana eken'i Yaveh dia miaro"
Eto ny "lalana" dia maneho ny fomba hitondran'ny olona ny fiainany. DH: "ireo tsy misy tsiny eo amin'ny fomba fiainany" na "izay miaina fiainana mahitsy"
Eto ny "faharatsiana" dia maneho ny fitondrana fiainana ratsy. Io toetra tsara io dia manao toy ny hoe olona izay mamily ireo izay manota. DH: "ny faharatsiana mamily ny mpanota hiala amin'ny lalan'ny fahombiazana" na "ny faharatsiana mamotika ny fiainan'ny mpanota"
"izay manao izay hampanan-karenany tenany"
Ireo mety ho heviny dia 1) tsy hisy handrahona ny hangalatra avy aminy satria tsy manana na inona na inona izay mety hoe tian'ny olona hangalarina izy 2) tsy hihaino izy rehefa manitsy azy ny olona satria tsy hisy na inona na inona hahavoa azy raha manafay azy izy ireo. DH: "tsy mihaino fibedesana"
Ny fahazavana dia entina ilazana ny taratry ny olo-marina ary faritana amin'ny fiainana ny fahatsapana fifaliana amin'ny maha-olombelona. Io ihany koa dia azo atao amin'ny endrika fampitahana araka ny ao amin'ny UDB. DH: "Ny lazan'ny olo-marina manome fifaliana"
Ny jiron'ny ratsy fanahy dia entina ilazana ny lazan'ireo olona ratsy fanahy ireo. Ny jiro novonoina dia midika fa hitsahatra ny lazany. DH: "ho foana ny lazan'ny ratsy fanahy"
"Fifandirana hatrany no vokatry ny avonavona"
"mihevitra'' na "manaraka"
tolo-kevitra izay manampy sady ahazoan-tombony
"Miha-manjavona ny harena"
Ny andian-teny hoe "asan'ny tanany" dia entina ilazana ny asa ara-batana fa tsy ara-tsaina na karazan'asa hafa. Maro ny olona tsy manome lanja ny asa ara-batana. DH: "miasa amin'ny hery ara-batana"
Ampitahaina amin'ny hazo izay mitombo ny vola.
Eto ny "fanantenana" dia maneho ny zavatra izay antenain'ny olona. Io dia azo atao hoe DH: "Rehefa manantena zavatra ny olona iray saingy tsy mandray izay mandritra ny fotoana ela dia ela"
Ny fandratrana fon'olona dia entina ilazana ny hoe mandifotra izany olona izany amin'ny alahelo. DH: "mahatonga alahelo mafy izany"
Ny olona mandray izay nantenainy ka nanjary faly dia faly dia resahina toy ny hoe hazo izay manome aina ny fahatanterahan'ny fanantenany. DH: "ny faniriana tanteraka dia tahaka ny hazon'aina"
"hazo izay manome aina" na "hazo izay manohan'aina ny voany." Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 3:17 io.
Io dia azo atao hoe DH: "hamaly soa ireo izay manaja ny didy izy ireo"
Ny loharano dia fipoiran'ny rano ary maneho ny fipoiran'ny aina. DH: "loharanon'aina mitobatobaka"
Eto ny "fandrika" dia maneho ny loza izy hahafaty. DH: "fandrika mitondra amin'ny fahafatesana"
Eto ny toetra na fitondran-tenan'ny olona iray dia resahina toy ny hoe lalana izay alehan'ny olona iray. Ny olona izay potiky ny famitahany ihany dia resahina toy ny hoe eo amin'ny lalana izay tsy mety tapitra mihitsy. DH: "fa ny toetry ny mpivadika no hahatonga ny fahapotehany ihany"
Io mpamaritra anarana io dia azo atao amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "ny olona mpamadika"
Ny hoe "mampiharihary" dia midika hoe mampiranty eo anatrehan'ny olon-drehetra. DH: "ny adala mampiranty ny fahadalany amin'ny olon-drehetra"
"tsy azo ianteherana" na "manao zava-dratsy"
"mpitondra hafatra" na "masoivoho"
Ny hevitry ny hoe "fanitsiana" dia azo atao amin'ny endrika asa. DH: "mianatra rehefa misy manitsy azy"
"fifaliana" na "mitondra hafaliana"
Entina ilazana ny faniriana na fitiavana zavatra.
"hiaina fahavoazana" na "ho potika"
Ny "loza" dia nomena ny toetran'ny olom-belona tahaka ny fahafahana mihazakazaka. DH: "Manana olana ny mpanota na aiza na aiza alehany"
Io dia azo atao hoe DH: "Mamaly soa an'ireo olo-marina Andriamanitra"
"ny zanaky ny zanany" na "ny taranany"
Io dia azo atao hoe DH: "izay manao ny marina dia handray ny harena nangonin'ny mpanota"
"Ny saha izay tsy nokarakaraina ho amin'ny famokarana sakafo" na "Saha foana mbola tsy vonona ho amin'ny fambolena"
Ny hoe "voafafa" dia maneho ny fanesorana zavatra tanteraka. Io dia azo atao hoe DH: "fa ny tsy rariny no maka izany sakafo izany" na "ny olona tsy marina no maka ireo sakafo"
"mitandrina ny hampianatra azy"
"mandra-pahafapo ny tenany" na "mandra-pahatanterany ny faniriany"
Eto ny "kibo" dia maneho ny fanirian'ny olona. DH: "ny olona ratsy fanahy mitady mihoatra hatrany"
1 Ny vehivavy hendry manangana ny tranony, fa ny vehivavy adala mandrava izany amin'ny tanany ihany. 2 Izay mandeha am-pahitsiana dia matahotra an'i Yaveh, fa izay tsy marina amin'ny lalany dia manao tsinontsinona Azy. 3 Amin'ny vavan'ny adala no hiavian'ny tsimoky ny fireharehany, fa ny molotry ny hendry hiaro azy ireo. 4 Any amin'izay tsy misy biby fiompy no madio ny tavy fihinanana, fa be ny vokatra mety ho tonga amin'ny tanjaky ny omby. 5 Ny vavolombelona mahatoky dia tsy mandainga, fa ny vavolombelona sandoka mamoaka lainga. 6 Mitady fahendrena ny mpaneso fa tsy mahita, fa ho tonga mora foana amin'izay manan-tsaina ny fahalalana. 7 Mialà amin'ny olona adala, fa tsy hahita fahalalana eo amin'ny molony ianao. 8 Ny fahendrena ho an'ny olona malina dia ny mahatakatra ny lalany ihany, fa ny fahadalan'ireo adala dia fitaka. 9 Maneso ireo adala rehefa voasorona ny fanatitra nohon'ny heloka, fa voazara eo amin'ireo mahitsy ny fankasitrahana. 10 Ny fo mahalala ny ngidiny ary tsy misy vahiny mizara ny hafaliany. 11 Ho potika ny tranon'ny olona ratsy fanahy fa handrombona ny lain'ny olo-mahitsy. 12 Misy lalana izay toa marina eo amin'ny olona, fa ny farany ihany no mitarika amin'ny fahafatesana. 13 Afaka mihomehy ny fo nefa manaintaina ary mety hiafara amin'ny alahelo ny hafaliana. 14 Izay tsy mahatoky dia hahazo izay mendrika ny lalany, fa ny olona tsara hahazo izay azy. 15 Izay bado dia mino ny zavatra rehetra, fa ny olona mailo kosa mieritreritra ireo diany. 16 Matahotra ny olona hendry ary miala amin'ny ratsy, fa ny adala kosa mandà fampitandremana amin-toky. 17 Izay malaky tezitra dia manao zavatra adaladala, ary ny olona izay manao teti-dratsy dia ankahalaina. 18 Ny bado dia mandova fahadalana, fa ny olo-kendry kosa ho satrohim-boninahitra amin'ny fahalalana. 19 Ny olon-dratsy hiankohoka eo anoloan'izay tsara ary ireo izay ratsy fanahy hiankohoka eo amin'ireo vavahadin'ny olo-marina. 20 Ankahalaina ny olo-mahantra na dia ireo namany ihany aza, fa ny olona manan-karena mana-namana betsaka. 21 Izay mampiseho fanamavoana ny namany dia manota, fa sambatra izay mampiseho fankasitrahana amin'ny mahantra. 22 Tsy ireo izay manao teti-dratsy ve no mandeha amin'ny hevi-diso? Fa ireo izay mikasa ny hanao ny tsara dia hahazo fanekena mahatoky sy fahamendreham-pitokisana. 23 Avy amin'ny asa mafy rehetra no hiavian'ny tombony, fa raha resaka fotsiny, dia mitarika ho amin'ny fahantrana izany. 24 Satro-boninahitry ny olon-kendry ny hareny, fa ny adalan'ireo adala mitondra hadalana fanampiny azy ireo ihany. 25 Ny vavolombelona marina manavotra aina, fa ny vavolombelona sandoka mamoaka lainga. 26 Rehefa matahotra an'i Yaveh ny olona iray, dia manana fahatokisana betsaka aminy ihany koa izy; ireo zavatra ireo dia ho toy ny toerana fiarovana mafy ho an'izany zanak'izany lehilahy izany. 27 Ny fahatahorana an'i Yaveh dia loharanon'aina, mba hahafahan'ny olona miala amin'ireo fandriky ny fahafatesana. 28 Hita amin'ny habetsaky ny vahoakany ny voninahitry ny mpanjaka, fa raha tsy misy vahoaka dia rava ny andriana. 29 Ny olona maharitra dia manana fahalalana lehibe, fa ny olona malaky tezitra manandratra fahadalana. 30 Ny fo milamina dia aina ho an'ny vatana, fa ny fialonana dia maha-lo ny taolana. 31 Izay mampahory ny mahantra dia manozona ny Mpamorona azy, fa izay iray maneho fankasitrahana amin'ny fadiranovana dia manome voninahitra azy. 32 Ny olona ratsy fanahy dia ahetrin'ireo asa-ratsiny, fa ny olo-marina dia hanam-pialofana na amin'ny fahafatesana aza. 33 Ny fahendrena mitoetra ao am-pon'ny mahalala, fa na dia eo amin'ireo adala aza dia avelany ho fantatra ny aminy. 34 Ny fanaovana izay marina dia manandratra firenena, fa ny fahotana dia fahafam-baraka ho an'ny olona rehetra. 35 Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia miaraka amin'ny mpanompo izay miasa am-pitandremana, fa ny fahatezerany dia ho an'izay miasa amim-pahamenarana.
"manorina ny tranony" na "manatsara ny tranony"
Ireo mety ho heviny dia 1) mety maneho ny tena tranony izany, izany hoe ilay rafi-trano honenany na 2) mety entina ilazana ny fianakaviany io. (UDB)
Ny "tanana" dia maneho ny asa ataony. DH: "ataony ihany" na "amin'ny fomba fitondran-tenany"
"Ny olona izay ... ny olona izay"
Ny hoe "mandeha" dia entina ilazana ny fitondrana ny fiainana. DH: "mitondra ny fiainany amin'ny fomba ara-drariny sy marina"
"tsy manaja mafy" na "mampiseho fa mankahala"
Ny mpisolotena tampisaka "-ny" dia manondro ilay lehilahy tsy marina ary ny "Izy" dia manondro an'i Yaveh.
Ny vava sy ny molotra dia maneho izay lazain'ny olona.
Ny tsimoka dia zavatra maniry avy amin'ny zavatra hafa. DH: "no vokatry ny fireharehany"
Amin'ny tena izy dia manondro olona maro io teny io. "ireo olon-kendry" na "lehilahy hendry"
"hiaro azy ireo amin'ny fahavoazana"
Ny "tavy" dia fitoeran-javatra izay asianao ny sakafom-biby.
"tsara ny vokatra"
Ny "tanjaka" dia maneho ny asa mafy afaka ataon'ny omby. DH: "nohon'ny asa ataon'ny omby"
Io hevitra ambadika io dia mampiasa ny hoe "mamoaka" mba hanehoana ny fandaingana tsy tapaka. DH: "mandainga tsy tapaka." Jereo ny fomba nandikanao io andian-teny io ao amin'ny 6:17.
"ary tsy eo ny fahendrena" na "tsy hahita fahendrena izy"
"mora hitan'ny" na "azony tsy amin'ny fahasarotana"
"izay hendry" na "olona izay manana fahazavan-tsaina"
Ny teny hoe "molotra" dia maneho izay lazain'ny olona iray. DH: "avy amin'ny teniny" na "amin'ny fanehoan-keviny"
olona izay manan-tsaina na fitsarana tsara
Ny teny hoe "lalana" dia maneho ny fitondran'ny olona ny fiainany. DH: "Ny fitondran-tenany" na "ny fomba fiainany"
Ny fahadalan'ny adala dia ny fiheverany fa hendry izy, kanefa tsy izany.
"amin'ny heloka" na "amin'ny fanatitra nohon'ny heloka." Ny hevitra ambadik'io andian-teny io dia hoe tsy miala tsiny amin'Andriamanitra na amin'ny olona nohon'ny zavatra tsy mety ataony ny adala.
Io dia azo atao hoe DH: "fa miara-misitraka ny fankasitrahana ny mahitsy" na "fa miaraka isitrahana eo amin'ny mahitsy ny fankasitrahan'Andriamanitra"
"alahelo" na "fahoriana"
"ireo izay tsy mahalala azy"
Ny teny hoe "lay" dia maneho ny zavatra rehetra izay mitranga eo amin'ny izany. DH: "ny ankohonan'ny"
Ny teny hoe "mandrombona" dia midika hoe famelanan'ny voninkazo be ary noho izany dia maneho izay rehetra mitombo fatratra. DH: "ho salama ary haharitra ela" na "ho salama" na "hahomby be"
Ny teny hoe "lalana" dia maneho ny fitondram-piainana arahin'ny olona iray. DH: "Mihevitra ny olona fa miaina amin'ny fomba mety izy ireo"
Ny teny hoe "fo" dia maneho ny fahatsapan'ny olona iray, ny toetra ary ny zavatra manosika azy. DH: "Ny fihetseham-pon'ny olona dia afaka mampiseho fiomehezana"
"miaina fanaintainana" na "maratra"
"Ny olona izay"
Ny teny hoe "lalana" dia maneho ny fitondram-piainan'ny olona iray. DH: "izay mendrika azy, mifototra amin'ny fomba niainany"
"izay ananany zo"
"tsy manan-traikefa" na "tsy matotra"
Eto ny hevitry ny dian-tongotra dia maneho ny toetran'ny olona iray. DH: "ny asany"
Eto ny ratsy dia resahina toy ny hoe toerana. DH: "miala amin'ny fanaovan-dratsy"
"tsy miraharaha amin-kasahiana"
"vetivety dia manjary tezitra"
"tsy manan-traikefa" na "tsy matotra"
Eto ny hoe "mandova" dia maneho ny fananana maharitra ny zavatra iray.
Ny teny hoe "fahadalana" dia anarana izay maneho ny fisainana sy fanao adaladala.
"olona malina"
Eto ny fahalalana dia resahina toy ny hoe firavaka tsara tarehy anaovana eo amin'ny loha, tahaka ny satroka misy firavaka. DH: "misalotra fahalalana tahaka ny satroka"
Io dia midika hoe miondrika mba haneho haja sy voninahitra amin'ny olona iray am-panetre-tena. Eto io fihetsika iray io dia maneho ny fenekena ny olona manan-danja kokoa.
Ny teny hoe "vavahady" dia maneho ny fidirana mba hifanenana. Midika io fa tsy maintsy hiandry ny olo-marina ny ratsy fanahy ka hiangavy ny hiditra eo amin'ny fanatrehany. DH: "hihaona amin'ny olo-marina"
Io dia azo atao hoe DH: "Halan'ny olon-drehetra na dia ny namany ihany aza ny olo-mahantra"
"Ny olona ... ny olona"
"ny olo-mahantra'
Ny valin-teny andrasana amin'io fanontaniana io dia "eny." DH: "Ireo izay miteti-dratsy dia ho diso lalana"
"izay miteti-dratsy" na "izay manao tetika hanao zava-dratsy"
"fa raha miresaka fotsiny ianao" na "fa raha miresaka fotsiny no ataon'ny olona"
Ny teny hoe "satro-boninahitra" dia maneho ny zava-bita avo indrindra araka izay azo atao sady hitan'ny rehetra. DH: "Ny valisoan'ny olon-kendry"
Adikao araka ny ao amin'ny 14:7 io andian-teny io.
Mampiasa ny hoe "mamoaka" io hevitra ambadika io mba hilazana ny fandaingana tsy tapaka. Jereo ny fomba nandikanao an'io andian-teny io ao amin'ny 6:17. DH: "Mandainga tsy tapaka"
Ny "loharano" dia fiavian-drano mitobatobaka ary eto dia maneho ny fiavian'ny aina. DH: "fiavian'aina"
Ny "fandrika" dia ampiasaina hihazana biby ary maneho zavatra iray mamitaka sady mampidi-doza izay hahafaty. DH: "amin'ny fandrika izay hahafaty"
"hoe firy ny olona anjakainy"
"tsy manana na inona na inona ny andriana ary hirodana ny fanjakany"
olona izay vetivety eo dia tezitra
"Saina feno fiadanana" na "Toetra izay miadana"
Ny teny hoe "lo" dia maneho ny fahasimban'ny olona ary ny "taolana" dia maneho ilay olona manontolo. DH: "mahatonga ny olona iray harofy eo amin'ny vatana sy ny fanahy"
"Ny olona izay ... ny olona izay"
Midika fanehoana faniriana ny hitrangan'ny zava-dratsy amin'ny olona iray izany.
"ny olona mahantra ... ny olona fadiranovana''
"izay tsara fanahy amin'ny" na "manampy"
Io dia azo atao hoe DH: "ny asa ratsy no manosika" na "ny asa ratsy no mamotika'
Ny teny hoe "fo" dia maneho ny fihetseham-po, toetra ary zavatra manosika ny olona iray. DH: "Ny fahendrena dia ao amin'ny toetra"
"ny olona mahalala"
Io dia azo atao hoe DH: "ataony azo antoka fa fantatry ny olona izy"
Ny mpisolotena tampisaka "-ny" dia manondro ny fahendrena.
"mitondra henatra eo amin'ny"
"am-pahendrena"
"ny mpanompo izany"
1 Ny valin-teny malefaka dia mamily ny fahatezerana, fa ny teny masiaka manetsika fahasosorana. 2 Ny lelan'ny hendry mandoka fahalalana, fa ny vavan'ny adala kosa mandraraka fahadalana. 3 Fa amin'izao rehetra izao ny mason'i Yaveh, mandinika ny ratsy sy ny tsara. 4 Ny lela manasitrana dia hazon'aina, fa ny lela mpamitaka dia manorotoro ny fanahy. 5 Ny adala manamavo ny fananaran-drainy, fa izay mandray ny fanitsiana no malina. 6 Ao an-tranon'ny olo-marina no misy harena be, fa fidiram-bolan'ny ratsy fanahy manome fahoriana azy. 7 Ny molotry ny hendry manaparitaka fahalalana, fa tsy mba toy izany kosa ny fon'ireo adala. 8 Mankahala ny soron'ireo olona ratsy fanahy Yaveh, fa fahafinaretany kosa ny vavaky ny olona mahitsy. 9 Mankahala ny fomban'ireo olona ratsy fanahy Yaveh, fa tia ilay iray izay manaraka ny marina Izy. 10 Miandry ny olona izay mahafoy ny lalana ny sazy mafy ary izay mankahala famaizana dia ho faty. 11 Ny fiainan-tsy hita sy fandringanana aza misokatra eo anatrehan'i Yaveh; koa mainka fa ny fon'ny zanak'olombelona? 12 Ny mpaneso sosotra amin'ny fananarana azy; tsy handeha any amin'ny hendry izy. 13 Ny fo ravoravo mahamirana ny tarehy, fa ny aretim-po kosa manorotoro ny fanahy. 14 Ny fon'ny manan-tsaina mitady fahalalana, fa ny vavan'ireo adala homana fahadalana ihany. 15 Fadiranovana avokoa ireo andron'ny ory rehetra, fa ny fo miramirana dia fanasana tsy manam-petra. 16 Aleo kely amin'ny tahotra an'i Yaveh toy izay harem-be amin'ny ahiahy. 17 Aleo kokoa sakafo misy anana izay misy fitiavana toy izay omby mifahy aroso amim-pankahalana. 18 Ny olona mora tezitra manetsika ady, fa ny olona izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana. 19 Ny lalan'ny kamo dia tahaka ny toerana misy fefy tsilo, fa ny lalan'ny mahitsy dia lalam-be voavoatra tsara. 20 Ny zanaka hendry dia mitondra fifaliana ho an'ny rainy, fa ny olona adala manao tsinotsinona ny reniny. 21 Mahafinaritra ny olona tsy ampy saina ny adalana, fa izay manana fahazavan-tsaina mandeha amin'ny lalan-mahitsy. 22 Mandamoka ireo tetika rehefa tsy misy torohevitra, saingy rehefa miaraka amin'ny mpanolon-tsaina maro dia nahomby ireo. 23 Mahita hafaliana ny olona iray rehefa manome valiny mahafa-po izy; endrey ny hatsaran'ny teny izay voalaza ara-potoana! 24 Mitondra miakatra ho an'ny olon-kendry ny lalan'ny fiainana, mba hialan'izy ireo amin'ny Fiainan-tsy hita any ambany. 25 Ho potehin'i Yaveh ny lovan'ny mpirehareha, fa miaro ny fananan'ny mpitondratena kosa Izy. 26 Mankahala ny fisainan'ireo olona ratsy fanahy Yaveh, fa ireo tenin'ny fahatsaram-panahy dia madio. 27 Mitondra olana ho an'ny fianakaviany ny mpangalatra, fa ny olona izay mankahala tsolotra dia ho velona. 28 Ny fon'ny marina dia misaintsaina mialohan'ny hamaliany, fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika ny ratsy ao aminy. 29 Lavitra ireo ratsy fanahy Yaveh, fa mandre ny vavaky ny olo-marina kosa Izy. 30 Ny fahazavan'ny maso mitondra fifaliana ho an'ny fo ary ny vaovao tsara dia fahasalamana ho an'ny vatana. 31 Raha mankatoa ianao rehefa manitsy ny fomba fiainanao ny olona, dia hitoetra eo amin'ireo olona hendry ianao. 32 Izay mandà famaizana dia manao tsinontsinona ny tenany, fa izay mihaino anatra kosa dia mahazo fahazavan-tsaina. 33 Mampianatra fahendrena ny tahotra an'i Yaveh ary fanetren-tena no mialoha ny voninahitra.
Ny fampitsaharana ny olona amin'ny ahatezerana dia resahina toy ny hoe mamily ny fahasosoran'izany olona izany. DH: "Ny famaliana malefaka ny olona iray no hampitony ny fahatezeran'izany olona izany"
Ny fampatezerana olona iray dia resahina toy ny hoe manetsika na mamoha fahatezerana. DH: "fa ny fitenenana amin'ny fahasiahana dia hahatonga izany olona izany ho tezitra kokoa"
Eto ny "lela" dia manondro ilay olona miteny. DH: "Ny olon-kendry mandoka fahalalana rehefa miteny"
"mahatonga ny fahalalana hahasarika" na "mampiasa fahalalana araka ny mety"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe fasian-javatra ny vavan'ny adala ary ny fahadalana dia toy ny hoe tsiranoka mameno azy ireo. Rehefa miteny ny adala, dia mamoaka rano ny vavany. Ny teny hoe "vava" dia manondro ireo miteny. DH: "miteny fahadalana foana ny adala"
Eto ny teny hoe "maso" dia maneho ny fahafahan'i Yaveh mahita. DH: "Mahita ny zava-drehetra Yaveh"
Ny teny hoe "ratsy" sy "tsara" dia maneho ny olona. DH: "olon-dratsy sy ny olona tsara"
Ny teny hoe "lela" dia entina ilazana ny teny. resahin'ny mpanoratra toy ny hoe hazo manome sakafo mitondra fahavelomana ny tenin'ny olona izay milaza zavatra manampy sy mankahery ny hafa.
Ny teny hoe "lela mpamitaka" dia ilazana ny teny izay feno fitaka sy mandratra. Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra izay notorotoroin'ny teny ny olona voaratra na anatin'ny famoizam-po. DH: "mampamoy fo olona ny teny feno fitaka"
Ny teny hoe "fanitsiana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "izay mianatra rehefa misy manitsy azy"
"no hendry"
Ny teny hoe "fidiram-bola" dia azo adika amin'ny andian-teny matoanteny. DH: "ny harena izay azon'ny olona ratsy fanahy manome"
Ny teny hoe "molotra" dia maneho izay lazain'ny olon-kendry. Ny fahalalana dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe voa izay afafin'ny olon-kendry manodidina rehefa miteny izy. DH: "Ny tenin'ny olon-kendry mampiely fahalalana"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny teny hoe "fo" dia fibangoan-teny ilazana ireo adala ihany ary midika fa tsy manaparitaka fahalalana tahaka ny ataon'ny olon-kendry izy ireo. DH: "tsy manaparitaka fahalalana ny adala" na 2) tsy manana fahalalana any am-pony ny adala, ary ny "fo" dia entina ilazana ny eritreritra. DH: "Tsy mahatakatra fahalalana ny adala"
"olona miaina am-pahamarinana"
"mahafaly Azy"
Ny fomba fiainan'ny olona ratsy fanahy dia resahina toy ny hoe lalana izay andehanan'ny olona. DH: "Halan'i Yaveh ny fomba fiainan'ny ratsy fanahy"
Ny fitandremana tsara mba hiaina am-pahamarinana dia resahina toy ny hoe manenjika zavatra marina izany. DH: "ny olona izay miezaka mafy ny hiaina am-pahamarinana"
Eto ny "lalana" dia manondro ny lalan'ny fahamarinana. Ny olona izay mitsahatra amin'ny fanaovana ny marina dia resahina toy ny hoe nijanona tsy nandeha teo amin'ny lala-marina. DH: "Izay rehetra mitsahatra tsy miaina am-pahamarinana"
Ny teny hoe "famaizana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "ny olona izay mankahala rehefa manitsy azy ny sasany"
Ny teny hoe "fiainan-tsy hita sy fandringanana" dia samy maneho ny fitoeran'ny maty. Ny fahalalan'i Yaveh momba ny fitoeran'ny maty dia resahina toy ny hoe misokatra eo anatrehan'i Yaveh izany. DH: "Fantatr'i Yaveh ny zava-drehetra momba ny toerana misy ny maty"
Io fanontaniana fampisainana io dia manindry fa satria fantatr'i Yaveh ny zava-drehetra momba ny toeran'ny maty, dia mazava ho azy fa fantany ny amin'ny fon'ny olona. DH: "koa fantany tokoa ny fon'ny zanak'olombelona!"
Eto ny teny hoe "fo" dia ilazana ny eritreritra sy ny zavatra manosika. Ny andian-teny hoe "ny zanak'olombelona" dia fomba fiteny ilazana ny olombelona. DH: "ny fihevitry ny olombelona"
Ny teny hoe "fananarana" dia azo addika amin'ny endrika matoanteny. DH: "Halan'ny mpaniratsira rehefa misy manitsy azy"
Ny hevitra ambadik'io dia tsy handeha ho any amin'ny hendry izy mba hitady torohevitra na tolo-kevitra. DH: "tsy ho any amin'ny hendry mba hitady ny toroheviny izy"
Eto ny teny "fo" dia maneho ilay olona. DH: "Rehefa ravoravo ny olona iray, dia miramirana ny tarehiny"
Ny olona kivy dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra izay voatorotoro ny fanahin'izany olona izany. Jereo ny fomba nandikanao an'io ao amin'ny 15:3. DH: "manakivy olona"
Eto ny teny hoe "fo" dia maneho ny saina sy ny fihevitry ny olona. DH: "Ny fisainan'ny olona manan-tsaina" na "Ny olona manan-tsaina"
Eto ny teny hoe "vava" dia maneho ilay olona. Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nihinana zavatra adaladala ny asala maniry zavatra kidaladala. DH: "ny olona adala maniry fahadalana toy ny hoe sakafo izay hohaniny"
"Ny olona ampahoriana dia fadiranovana amin'ny androny rehetra"
Eto ny teny hoe "fo" dia maneho ilay olona. Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mankalaza fety tsy mety tapitra ny olona miramirana mankafy fiainana. DH: "ny olona miramirana mankafy fiainana, toy ny hoe mankalaza fety tsy misy fiafarana"
"fety tsy mety tapitra"
"tebiteby"
Ny anana dia entina ilazana fisakafoana kely izay kely dia kely no hohanina. DH: "sakafo kely" na "hanina kely dia kely"
Ny teny hoe "fitiavana" dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "izay ifankatiavan'ny olona"
Io dia azo adika hoe DH: "omby mifahy izay aroson'ny olona iray amim-pankahalana"
Entina ilazana ny omby izay nofahanana sakafo be dia be mba hatavy io. Eto io dia maneho fisakafoana mafilotra na fety. DH: "fisakafoana mafilotra" na "fety"
Ny teny hoe "fankahalana" dia azo adika amin'ny andian-teny misy matoanteny. DH: "izay ifankahalan'ny olona"
Ny mampiady olona bebe kokoa dia resahina toy ny hoe manetsika na mamoha fifandirana izany. DH: "mahatonga ny olona hiady bebe kokoa"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe lalana izay alehan'ny olona ny fiainan'ny olona iray. DH: "Ny fiainan'ny kamo ... ny fiainan'ny mahitsy"
Ampitahain'ny mpanoratra amin'ny fiezahana handeha avy eo amin'ny fefy tsilo ny fomba fiainan'ny kamo. Samy mahatonga ilay olona hizaka fanaintainana ireo. DH: "Ny fiainan'ny kamo dia tahaka ny olona izay miezaka ny handeha avy eo amin'ny fefy tsilo"
Ny fitahiana iainan'ny olona mahitsy eo amin'ny fiainana dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha amin'ny lalana malamatra izy ireo.
Lalana lehibe, mahitsy, ary tsy misy sakantsakana na kilavadavaka izany.
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha mahitsy eo amin'ny lalana iray ny olona manao ny zavatra tsara. DH: "ny olona izay manana fahazavan-tsaina dia manao izay mety"
"Tsy mahomby ny tetika"
"rehefa tsy misy manome torohevitra"
olona manome tolo-kevitra ho tari-dalana amin'ny atao
"mahomby ny tetika"
"valinteny mifanaraka" na "valinteny mety"
Io teny io dia manindry fa ny teny voalaza ara-potoana dia tsara tokoa. DH: "ny teny izay lazain'ny olona ara-potoana dia tsara tokoa"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe lalana miakatra mankany amin'ny fiainana ny fomba fiainana izay miafara amin'ny fiainana ary ny fomba fiainana izay miafara amin'ny fahafatesana dia toy ny lalana izay mamarina any amin'ny fitoeran'ny maty.
"trano." Entina ilazana ny ankohonana, fananana, ary harena io.
"ny teny feno fahatsorana dia madio" na "madio ny teny mahafinaritra"
Eto ny teny hoe "fo" dia sarinteny ilazana ny saina aman'eritreritra. Maneho ilay olona izay mieritreritra io. DH: "Ny olona izay manao ny marina dia mieritreritra izay ho lazaina mialohan'ny hamaliany"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe fitoeran-javatra ny vavan'ny olona ratsy fanahy ary ny ratsy dia toy ny tsiranoka izay mameno azy ireo. Rehefa miteny ny ratsy fanahy, dia mamoaka ilay tsiranoka ny vavany. Ny teny hoe "vava" dia maneho ireo izay miteny. DH: "ny ratsy fanahy dia milaza zava-dratsy hatrany"
Mety ho tsotra kokoa amin'ny fiteninao ny mandika iroe teny rehetra ireo na amin'ny fanondrona olon-tokana na olona maro. DH: "ny vavan'ny olona ratsy fanahy dia mamoaka izay ratsy rehetra ao aminy" na "ny vavan'ireo olona ratsy fanahy dia mamoaka izay ratsy rehetra ao amin'izy ireo"
Ny tsy fihainoan'i Yaveh ny olona ratsy fanahy dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe lavitra azy ireo ara-batana mihitsy Izy. DH: "Tsy mihaino ny olona ratsy fanahy Yaveh" na "Tsy mamaly ny ratsy fanahy Yaveh"
Ny endriky ny fifaliana eo amin'ny tarehin'ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mitaratra fahazavana ny mason'io olona io. DH: "Endrika miramirana"
Ny teny hoe "fo" dia maneho ilay olona. Ireo mety ho heviny dia 1) ilay olona izay manana endrika miramirana no lasa ravoravo na 2) olona hafa no manjary ravoravo rehefa mahita olona iray manan'endrika miramirana. DH: "mahatonga ny olona iray ho feno haravoana"
Eto ny teny hoe "vatana" dia maneho ilay olona. DH: "ny fandraisana vaovao mahafaly mahatonga ny olona hahatsapa ho falifaly"
Ireo mety ho heviny dia 1) Hihevitra anao ho olon-kendry hatrany ny olona na 2) hisitraka ny fiarahana amin'ny olon-kendry hatrany ianao.
Ny teny hoe "anatra" dia azo adika amin'ny andian-teny misy matoanteny. DH: "mihaino rehefa misy manitsy azy"
Ny teny hoe "tahotra" sy "fahendrena" dia azo adika amin'ny andian-teny misy matoanteny. DH: "Rehefa matahotra an'i Yaveh ny olona iray, dia hianatra ny ho hendry izy"
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 2:7 io andian-teny io.
Midika izany fa tsy maintsy mianatra fanetre-tena aloha ny olona iray vao manome voninahitra azy Yaveh.
1 An'ny olona ny fikasan'ny fo, fa avy amin'i Yaveh ny valin-teny avy amin'ny lelany. 2 Madio eo imasony ihany ny lalan'ny olona rehetra, fa Yaveh no mandanja ny fanahy. 3 Ankino amin'i Yaveh ny asanao dia ho lavorary izay kasainao. 4 Nataon'i Yaveh ho amin'ny antony avokoa ny zavatra rehetra, na ny ratsy fanahy aza dia ho amin'ny androm-pahoriana. 5 Yaveh mankahala ny olona rehetra izay manana fo miavonavona, azo antoka fa tsy ho afa-maina ireny. 6 Amin'ny tsy fivadiham-panekena sy fahamendreham-pitokisana no hanavotana amin'ny heloka ary amin'ny tahotra an'i Yaveh no hialan'ny olona amin'ny ratsy. 7 Rehefa ankasitrahan'i Yaveh ny lalan'ny olona iray, na ny fahavalon'izany olona izany aza dia ataony mihavana aminy. 8 Aleo kely amin'ny fahamarinana, toy izay vola be amin'ny tsy rariny. 9 Ao am-pony no andrafetan'ny olona ny lalany, fa Yaveh no mampizotra ny diany. 10 Fanapahan-kevitra lalina no eo amin'ny molotry ny mpanjaka, ny vavany dia tsy mba hamadika ny rariny. 11 Avy amin'i Yaveh ny fandanjana marina; ny lanja rehetra ao amin'ny kitapo dia asany avokoa. 12 Rehefa manao zava-dratsy ny mpanjaka, dia tokony ho zavatra hatao tsinontsinona izany, satria ny seza fiandrianana dia miorina amin'ny fanaovana ny marina. 13 Finaritra amin'ny molotra milaza ny marina ny mpanjaka ary tiany ny olona izay miteny mahitsy. 14 Ny fahaviniran'ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana fa ny olon-kendry kosa dia hiezaka hampitony ny hatezerany. 15 Ao amin'ny fahazavan'ny tavan'ny mpanjaka ny fiainana ary ny fankasitrahany dia sahala amin'ny rahona izay mitondra oran-dohataona. 16 Endrey ny hatsaran'ny fahazoana fahendrena mihoatra lavitra noho ny volamena. Aleo mifidy ny hahazo fahazavan-tsaina toy izay volafotsy. 17 Ny lalam-ben'ny olo-marina dia miala amin'ny ratsy; izay miaro ny ainy dia miambina ny lalany. 18 Avy mialohan'ny faharavana ny fireharehana ary ny fanahy mieboebo mialohan'ny fahalavoana. 19 Tsara kokoa ny manetri-tena eo amin'ireo olona mahantra toy izay mizara izay nobaboina amin'ny olona mpirehareha. 20 Izay rehetra mibanjina izay nampianarina azy ireo dia hahita soa, ary ireo izay mitoky amin'i Yaveh dia ho voatahy. 21 Izay hendry am-po no antsoina hoe manan-tsaina ary ny hamamin'ny teny no mpampivoatra ny fahaiza-mampianatra. 22 Ny fahazavan-tsaina dia loharanon'aina ho an'izay manana izany, fa ny fampianaran'ny adala dia ny fahadalany. 23 Ny fon'ny olon-kendy manome saina ny vavany ary manampy fandresen-dahatra ny molony. 24 Tohon-tantely ny teny mahafinaritra— mamy amin'ny fanahy ary fanasitranana ho an'ny taolana. 25 Misy lalana izay toa marina amin'ny olona, fa ny fiafarany dia lalana mankany amin'ny fahafatesana. 26 Ny homan'ny mpiasa no miasa ho azy; ny hanoanany no manosika azy. 27 Ny olona tsinontsinona dia mihady sompatra ary ny teniny dia tahaka ny afo mandoro. 28 Ny olona rasty fitondran-tena manetsika ady ary ny mpifosa mampisaraka ny mpianamana akaiky. 29 Ny olona maherisetra dia mandainga amin'ny namany ary mampivarina azy amin'ny lalana izay tsy tsara. 30 Izay mipi-maso dia mitetika zavatra ratsy; ireo izay manaiki-molotra dia mampandalo ny rasty. 31 Ny volo-fotsy dia satro-boninahitra; azo amin'ny fiainana ny lala-marina izany. 32 Tsara ny tsy mora tezitra noho ny mpiady ary ny olona manapaka ny fanahiny dia mahery noho ny olona izay mambabo tanàna iray. 33 Ny filokana dia atsipy eo am-pofoana, fa ny fanapahan-kevitra dia avy amin'i Yaveh.
Eto ny "fo" dia maneho ny saina aman'eritreritry ny olona iray. DH: "Manao fikasana ao an-tsainy ny olona"
Ireo mety ho heviny dia 1) Milaza ny valinteniny manoloana ny fikasan'ny olona Yaveh, izay sarinteny midika fa Yaveh no mametraka ny vokatry ny fikasan'izany olona izany na 2) Mahatonga ny olona iray ho afaka hanonona teny momba ilay fikasana nataony Yaveh.
Io andian-teny io dia sarinteny ilazana ny teny izay lazain'ny olona iray. DH: "ny valinteny izay lazainy"
ny teny hoe "maso" dia sarinteny ilazana ny fomba fihevitry ny olona iray momba ny mety tsy ny tsy mety. Izay atoan'ny olona dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha amin'ny lalana iray izany olona izany. DH: "Mihevitra ny olona fa madio ny zava-drehetra ataony"
Eto ny teny hoe "fanahy" dia maneho ny faniriana sy ny faharisihan'ny olona. Ny fanavahan'i Yaveh sy ny fitsarany ny faniriana sy ny faharisihan'ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandanja ny fanahin'izany olona izany Izy. DH: "Yaveh no mitsara ny faharisihan'ny olona"
Ny teny misy matoanteny dia azo ampiana amin'ny andian-teny teo aloha. DH: "na ny ratsy fanahy aza dia nataony ho amin'ny andron'ny fahoriana"
Eto ny teny hoe "fo" dia maneho ilay olona. DH: "miavonavona avokoa ny olon-drehetra"
Io dia azo atao hoe DH: "Hanafay azy ireo tokoa Yaveh"
Io dia azo atao hoe DH: "Yaveh no manavotra amin'ny heloka amin'ny alalan'ny tsy fivadiham-panekena sy ny fahamendreham-pitokisana"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe miala amin'ny ratsy ny olona izay tsy manao zavatra ratsy intsony. DH: "mitsahatra amin'ny fanaovana zava-dratsy ny olona"
"ataon'i Yaveh"
"mahazo vola be"
"fanaovan-dratsy"
Eto ny teny hoe "fo" dia maneho ny saina aman'eritreritra. Ny ataon'ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha amin'ny lalana iray ilay olona. DH: "Mikasa izay ho ataony ao an-tsainy ny olona"
Ny famaritan'i Yaveh ny vokatry ny fikasan'ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe Yaveh no milaza amin'izay olona izany izay aleha.
Eto ny teny hoe "molotra" dia sarinteny ilazana izay lazain'ny mpanjaka. DH: "Fanapahan-kevitra lalina no lazain'ny mpanjaka"
Fanapahan-kevitra avy amin'Andriamanitra, didy avy amin'Andriamanitra
Ny teny hoe "vava" dia maneho ilay mpanjaka mihitsy. DH: "rehefa manonona fitsarana izy, dia tsy miteny fitaka izy"
Io dia azo adika hoe DH: "miteny am-pahamarinana izy"
Mitaky ny fahamarinana sy ny rariny Yaveh rehefa manao raharaha. Ny olona tsy marina dia nampiasa mizana mavesatra na maivana kokoa teo amin'ny fandanjany mba hahazoana bebe kokoa rehefa mividy na mivarotra.
Tao anatin'ny kitapony no nitondran'ny mpivarotra ny fandanjany. Ireo mety ho heviny dia 1) Yaveh no namaritra hoe toy ny ahoana no tokony ho lanjan'ny fandanjana rehetra na 2) Mihevitra ny lanja rehetra izay ampiasain'ny mpivarotra i Yaveh.
Io dia azo atao hoe DH: "zavatra amavoin'ny olona izany" na "zavatra amavoin'i Yaveh izany"
Eto ny teny hoe "seza fiandrianana" dia maneho ny fanapahan'ny mpanjaka. Io dia azo atao hoe DH: "fa ny mpanjaka no mametraka ny fanjakany amin'ny fanaovana ny marina"
Eto ny teny hoe "molotra" dia maneho ilay olona izay miteny. DH: "ny olona izay milaza ny marina"
Ny mpanjaka sosotra ka mahatonga ny olona ho faty dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe iraka izay nalefan'ny mpanjaka hamono olona iray ny fahaviniran'io mpanjaka io. DH: "Afaka mamono olona ny fahatezeran'ny mpanjaka"
Mifanohitra amin'ny andininy faha 14 ny andininy faha 15.
Ny endrika falifaly eo amin'ny tarehin'ny mpanjaka dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mitaratra hazavana ny tavany. DH: "Rehefa miramirana ny mpanjaka, dia velona ny olona"
Ampitahain'ny mpanoratra amin'ny rahona mitondra orana mba hampaniry ny vokatra ny mpanjaka maneho fankasitrahana amin'ny olona iray. Samy mampanantena fitahiana amin'izay mandray azy ireo roa ireo.
Io teny fanairana io dia manindry ny amin'ny mahatsara lavitra ny fananana fahendrena noho ny fananana volamena. DH: "tsara lavitra ny mahazo fahendrena noho ny mahazo volamena"
Io dia azo atao hoe DH: "Tokony hisafidy ny hahazo fahazavan-tsaina mihoatra ny fahazoana volafotsy ny olona"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe lalana tsara voatra, tsy misy sakantsakana ny fomba fiainan'ny olona mahitsy. DH: "ny fomba marina izay iainan'ny olo-marina"
Ny fialana na ny tsy fanaovana ratsy intsony dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe miala amin'ny ratsy. DH: "miaro azy ireo amin'ny fanaovan-dratsy"
Eto ny teny hoe "fanahy" dia maneho ny fihetsika sy ny toetran'ilay olona. DH: "toetra miavonavona"
"fahapotehana" na "tsy fahombiazana"
fitaovana azo tany an'ady
Io dia azo atao hoe DH: "izay nampianarin'ny olona azy ireo" na "izay nianaran'izy ireo"
Hahazo laza amin'ny maha-olona manan-tsaina io olona io. Io dia azo atao hoe DH: "Ho antsoin'ny olona hoe manan-tsaina izay hendry am-po" na "Izay hendry am-po dia hahazo laza amin'ny maha-olona manan-tsaina"
Eto ny fo dia maneho ny saina aman'eritreritra. DH: "Izay hendry" na "Izay hendry amin'ny fisainany"
Ny teny malefaka na mahafinaritra dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra manana tsiro mamy. DH: "tenim-pahatsorana" na "teny mahafinaritra"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe loharano izay mikoriana rano hatrany ary manohana ny ain'ireo izay misotro amin'izany ny "fahazavan-tsaina." DH: "Ny fahazavan-tsaina dia toy ny loharano mikoriana rano manome aina"
Eto ny ''fo'' dia maneho ny saina aman'eritreritra. DH: "Ny fihevitry ny olon-kendry manome"
Eto ny teny hoe "vava" dia sarinteny ilazana ny teny. DH: "mahendry ny teniny"
Eto ny teny hoe "molotra" dia sarinteny ilazana ny teny. DH: "izay lazainy"
Ny teny mahafinaritra izay afaka mitondra fy amin'ny mpihaino dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe tohon-tantely mitete tantely vaovao. DH: "Ny teny mahafinaritra dia tahaka ny tohon-tantely"
Ny mety hoe hevitry ny teny hoe "fanahy" dia 1) maneho ny faniriana ao anatin'ny olona iray sy ny fahafinaretany io. DH: "mamy ampy hampifaly ny olona iray" na 2) mety hidika izany hoe "tenda" ary sarinteny ilazana ny lelan'ny olona iray sy ny fahafahana mahare tsiro. DH: "mamy amin'ny fahatsapan'ny olona"
Eto ny teny hoe "taolana" dia maneho ny vatan'ny olona iray. DH: "fanasitranana ho an'ny vatana"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe lalana andehanan'ny olona fitondran-tena na toetran'ny olona iray. DH: "Heverin'ny olona fa mety ny fomba fiainany"
Ny mpisolotena tampisaka "-ny" dia manondro ny "lalana" teo amin'ny andalana teo aloha. Io ''lalana" io dia mitondra amin'ny fahafatesana.
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe olona miasa ho an'ilay mpiasa ny homana. Midika izany fa ilay olona izay miasa dia atosiky ny faniriany hihinana. DH: "Miasa mba hahafapo ny hanoanany ny mpiasa"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe olona izay manosika ny mpiasa hanohy hiasa ny "hanoanana." DH: "miasa hatrany izy satria noana"
Ny olona miezaka ny hitady fomba hahavoa ny olona hafa dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandavaka amin'ny tany mba hahita zavatra nalevina. DH: "Ny olona tsinontsinona dia mitady sompatra toy ny hoe mandavaka mba hahita zavatra ao amin'ny tany"
"tsy misy ilàna azy" na "ratsy fanahy"
"ratsy" na "fahoriana"
Ampitahain'ny mpanoratra amin'ny fomba handoran'ny afo zavatra ny fomba handratran'io olona io ny hafa. DH: "mandratra olona amin'ny teniny izy, tahaka fandoran'ny afo ny zavatra kasihiny"
ny olona izay mifosa na mpanely tsaho
Ny hevitra ambadik'izany dia mandainga amin'ny namany io lehilahy io mba hitaona ny namany hanjohy azy amin'ny asany feno herisetra. DH: "Ny olon'ny herisetra mitaona ny namany"
"Olona misetrasetra" na "Olona mampihatra herisetra"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe lalana izay andehanan'ny olona ny ataon'ny olona iray. DH: "mahatonga azy hanao zavatra izay tsy tsara"
Mampiasa fanalefahan-teny ny mpanoratra mba hanindriana hoe toy ny ahoana ny faharatsian'io lalana io. DH: "lalana tena ratsy" na "lalana mahatsiravina"
Samy fihetsika eo amin'ny tarehy izay mety ampiasain'ny olona hanaovana famantarana ny amin'ny tetiny amin'ny hafa ireo roa ireo. Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "mipi-maso" ao amin'ny 10:10.
"hanao zava-dratsy"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe satro-boninahitra ny volo-fotsy. Ny "volo-fotsy" dia sarinteny ilazana ny fahanterana. DH: "Ny olona izay ela niainana ka misy volo-fotsy dia tahaka ny olona izay manao satro-boninahitra eo amin'ny lohany"
Io dia azo atao hoe DH: "azon'ny olona"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe olona manapaka ny fanahiny tahaka ny fanapahan'ny mpanjaka ny vahoakany ny olona afaka mifehy ny fahatezerany sy ny fihetseham-pony. DH: "izay mahafehy ny fahatezerany"
Io dia azo atao hoe DH: "Atsipin'ny olona eo am-pofoany ny filokana"
Ireo mety ho heviny dia 1) Yaveh no manapaka ny fianjeran'ny filokana na 2) tsy ny filokana, fa Yaveh no mamaritra izay hitranga.
1 Tsara kokoa ny miaina mangingina miaraka amin'ny tapa-mofo toy izay ao amin'ny trano feno hanina misy fifandirana. 2 Ny mpanompo hendry dia hanapaka eo amin'ny zanany izay manao toetra mahamenatra ary hiray lova tahaka ny iray amin'ireo rahalahy. 3 Ny memy ho an'ny volafotsy ary ny lafaoro fandrendrehana ho an'ny volamena, fa Yaveh no manefy ny fo. 4 Ny mpanao ratsy mihaino ny molotry ny ratsy fanahy; manongilan-tsofina amin'ny lela mpandringana ny mpandainga. 5 Na iza na iza maneso ny malahelo dia miteny ratsy ny Mpahary azy ary izay mifaly amin'ny fahavoazana dia tsy afa-bela amin'ny famaizana. 6 Satro-boninahitry ny antitra ny zafy ary mitondra voninahitra ho an'ireo zanany ny ray aman-dreny. 7 Ny kabary tsara lahatra dia tsy mety amin'ny adala; koa mainka fa ny molotra mpandainga ho mety ho an'ny fianakavian'ny mpanjaka. 8 Tahaka ny vato mahagaga ny kolikoly ho an'ny olona izay manome izany; na aiza na aiza itodihany, dia mahomby izy. 9 Izay manarona heloka dia mitady fitiavana, fa izay mamerina ny fahadisoana taloha dia mampisaraka ireo mpisakaiza akaiky. 10 Miditra lalina kokoa any amin'ny olona izay manana fahazavan-tsaina ny teny mafy noho ny kapoka injato mankany amin'ny adala. 11 Ny olon-dratsy dia mitady fikomiana fotsiny, koa dia halefa hanohitra azy ny iraka lozabe. 12 Aleo mifanena amin'ny bera very anaka toy izay mifanena amin'adala amin'ny fahadalany. 13 Raha misy olona mamaly ratsy ny tsara, dia tsy handao ny tranony mandrakizay ny ratsy. 14 Ny fiandohan'ady dia tahaka izay mamela ny rano hiparitaka eny rehetra eny, koa dia alaviro ny fifandirana dieny mbola tsy vaky izany. 15 Ny olona izay manamarina ny olon-dratsy ary ny olona izay manameloka ny olo-marina— dia samy fahavetavetana eo amin'i Yaveh ireo. 16 Nahoana ny adala no tokony handoa vola mba hianatra momba ny fahendrena, nefa izy tsy manana fahafahana akory ny hianatra izany? 17 Ny sakaiza dia tia amin'ny fotoana rehetra sady rahalahy nateraka ho amin'ny fotoan'ny fahoriana. 18 Ny lehilahy tsy misy saina manao fampanantenana mamatotra ka tonga tompon'antoka amin'ny trosan'ny namany. 19 Na iza na iza tia ady dia tia heloka; izay manao ny tokonam-baravarany ho avo loatra dia manapotika ny taolana. 20 Ny olona izay manana fo maditra dia tsy hahita na inona na inona tsara; mianjera amin'ny loza izay manana lela mpamitaka. 21 Na iza na iza ray aman-drenin'adala dia mitondra alahelo ho an'ny tenany; ary tsy manana hafaliana ny rain'ny adala. 22 Fanafody tsara ny fo miramirana, fa ny fanahy ketraka kosa mahamaina ny taolana. 23 Ny lehilahy ratsy fanahy mankasitraka kolikoly miafina mba hamadihana ireo lalan'ny rariny. 24 Ny olona izay manana fahazavan-tsaina dia mampitodika ny tarehiny mankany amin'ny fahendrena, fa ny mason'ny adala kosa mitodika any amin'ireo vazan-tany. 25 Ny zanaka adala dia alahelo ho an'ny rainy ary fangidiana ho an'ny vehivavy izay niteraka azy. 26 Ary koa, tsy tsara mihitsy ny manasazy ny olo-marina; na mikapoka olona mendri-kaja izay manana fahitsiana. 27 Izay manam-pahalalana mampiasa teny fohy ary izay manana fahazavan-tsaina dia mahatsindry fo. 28 Na dia adala aza heverina ho hendry raha toa ka mangina; rehefa manakombom-bava izy, dia heverina ho manan-tsaina.
Eto ny hoe "mangingina" dia entina ilazana ny "fiadanana." DH: "manam-piadanana"
Misy teny tsy ampy eto; azo ampiana hoe "manana." DH: "toy izay ao amin'ny trano feno hanina izay misy fifandirana"
Entina ilazana ny fomba fanefena ny volamena sy ny volafotsy io. Ny vy dia tefena amin'ny alalan'ny famanàna izany amin'ny maripana ambony mba hitsonika ary hiala ny tsy fahadiovana rehetra. DH: "Ampiasaina hanefena volafotsy ny memy ary ny fatana fandrendrehana ampiasaina hanefena volamena"
tavy izay anatsonihana vy amin'ny maripana ambony dia ambony
Io dia miresaka momba an'i Yaveh mitsapa ny olona mba hanampy azy ireo hitsahatra amin'ny faharatsiana sy fahadalana tahaka ny hoe vy izay notefen'i Yaveh mba hanalana izay zavatra maloto rehetra ny fon'izy ireo. DH: "Mitsapa ny fon'ny olona Yaveh"
Eto ny olona dia resahina amin'ny alalan'ny fo mba hanindriana ny fihevitr'izy ireo sy ny faniriany. DH: "olona''
Eto ny "molotra" dia azo adika ho 1) fibangoan-teny ilazana ilay olona na 2) sarinteny ilazana ny teny izay aloak'ireo molotra ireo. DH: "ny olona ratsy fanahy" na "resaka ratsy"
"mihaino"
Eto ny "lela" dia azo adika ho 1) fibangoan-teny ilazana ilay olona na 2) sarinteny ilazana ny teny izay avoakan'ny lela. DH: "ny olona mpanimba" na "resaka manimba"
Manondro ireo olo-mahantra io. DH: "ireo izay mahantra"
Io anarana io dia manondro an'i Yaveh. Anarana ambadika izay azo adika amin'ny endrika matoanteny koa io. DH: "ilay nahary azy"
Ilazana ny fahavoazan'ny hafa io. DH: "amin'ny fahavoazan'ny hafa" na "amin'ny fahorian'olon-kafa"
Io dia miresaka momba ny zafin'ny olona nahazo taona izay mariky ny voninahiny toy ny hoe satro-boninahitra. DH: "mitondra voninahitra sy haja"
Ilazana ireo nahazo taona io. DH: "ireo izay efa nahazo taona" na "olona antitra"
"teny tsara" na "teny tonga lafatra"
Ny olona mandainga dia faritan'izany toy ny hoe tena ny "molony" mihitsy no mandainga. DH: "koa mihoatra noho izany ny tsy fetezan'ny fianakavian'ny mpanjaka mandainga"
Miresaka momba ny fandairan'ny kolikolin'ny olona amin'ny fampitahana izany amin'ny vato mahagaga na rojo mahagaga io. DH: "Mandaitra toy ny vato mahagaga amin'izay manome izany ny kolikoly" na "Mandaitra tahaka ny fahagagana ho an'izay manome azy ny kolikoly"
Eto ny hoe "itodihany" dia maneho zavatra isan-karazany izay ataon'ny olona. Indrinda indrindra, io dia entina ilazana ny zavatra isan-karazany ataon'ny olona amin'ny alalan' ny kolikoly. DH: "amin'izay rehetra ataony" na "amin'izay rehetra ezahiny atao amin'ny fanomezana kolikoly"
zavatra mandratra na mahatezitra olona
Entina ilazana ny famerenana zava-nitranga taloha izay nandratra na nahatohina ny namana io. DH: "izay mamerina ny heloka taloha"
Mampitaha ny fandairan'ny fibedesana amin'ny olona manana fahazavan-tsaina sy ny fandairan'ny kapoka amin'ny adala io. Ny fiantraikany eo amin'ireo olona ireo dia resahina toy ny hoe azo faritana amin'ny halalin'ny fidiran'izany ao amin'izy ireo izany. DH: "Ny fibedesana dia misy fiantraikany kokoa amin'ny olona ... noho ny kapoka injato amin'ny adala"
"olona izay mitsara tsara" Ny teny hoe "fahazavan-tsaina" dia azo aseho amin'ny endrika matoanteny. DH: "olona izay mahatakatra"
Ny teny hoe "fikomiana' dia azo aseho amin;ny endrika matoanteny. DH: "mitady hikomy"
Io dia azo atao hoe DH: "hisy iraka lozabe ho avy hanohitra azy"
Ny hoe "alefa hanohitra" olona iray dia midika ho irahina hamely azy. DH: "halefa hamely azy"
Io dia azo adika hoe DH: "bera izay voa very ny zanany"
Ny teny hoe "fahadalana" dia azo atao amin'ny endrika mpamaritra. DH: "izay miadaladala"
Eto ny "ratsy" dia resahina toy ny hoe olona izay tsy handao ny tranon'ilay lehilahy mihitsy. Eto ny teny hoe "trano" dia azo raisina ara-bakiteny, saingy sarinteny ilazana ny fianakaviana ihany koa io. DH: "hisy zava-dratsy hitranga aminy sy ny fianakaviany hatrany" na "tsy hitsahatra ny hiseho aminy sy ny fianakaviany mandrakizay ny zava-dratsy"
Io dia mampitaha ny fielezan'ny ady vetivety foana amin'ny fandriaky ny rano nitobaka eny rehetra eny. DH: "Ny fanetsehana asy dia tahaka ny manovo rano ary mampandeha izany eny rehetra eny"
"manomboka"
"Izay manamarina ny ratsy fanahy sy izay manemeloka ny marina"
manambara ny olona iray ho tsy meloka
Io fanontaniana fampisainana io dia manindry fa tsy tokony hanao izany ny adala. Io fanontaniana io dia azo soratana amin'ny endrika fanambarana. DH: "Tsy tokony handoa vola hianarana momba ny fahendrena ny adala satria tsy manana fahafahana hianatra izany izy"
Ny antony iray ilàna ny rahalahy dia ny mba ho eo amin'ny fotoam-pahoriana. DH: "natao ho eo amin'ny andro fahoriana ny rahalahy"
"tsy mitsara tsara"
Entina ilazana ny fampanantenana izay tsy maintsy hazonina io ary matetika dia vesatra amin'ilay olona nanao izany.
Midika izany fa hisy hisaoty eo amin'ny tokonam-baravarana ka ho tapa-taolana, mety ho eo amin'ny tongony. DH: "dia azo antoka fa hampitsambikina ny olona iray ka hahatapaka ny taolan-tongony" na "azo antoka fa hampitsambikina ny olona iray ka handratra ny tenany"
Ny "fo" dia maneho ny fahatsapan'ny olona iray, ny toetrany ary ny faharisihany. DH: "izay mamitaka" na "izay tsy marina"
Ny "lela" dia maneho ny tenin'ny olona iray. DH: "miteny amin'ny fomba mivadibadika" na "meteny amin-karatsiana"
"latsaka amin'ny fahoriana" Ny hoe "mianjera amin'ny" zavatra iray dia midika hoe tafiditra anatin'izany toe-draharaha izany. DH: "hahazo loza"
Resahina toy ny hoe fanafody ny fo miramirana satria mahatonga anao hahatsapa ho metimety. DH: "Ny fo miramirana dia fanafody izay mahatonga anao hahatsiaro ho metimety"
Ny "fo" dia maneho ny fahatsapan'ny olona iray, ny toetrany ary ny faharisihany. DH: "Ny fahamiranana"
Eto ny teny hoe "fanahy" dia maneho ny fahatsapan'ny olona iray sy ny toetoetry ny fihetseham-pony. Ny fanahy torotoro dia maneho toe-po malahelo. DH: "famoizam-po"
Ny taolan'ny olona dia entina ilazana ny fahasalamany ara-batana sy ny fahatanjahany. Raha mihamaina ny taolan'ny olona iray dia midika izany fa tena marary ary tsy salama tokoa izy. DH: "tsy mahasalama sy mahosa ny olona"
"hisorohana ny rariny tsy ho azo" na "hamadika ny rariny"
Resahina toy ny hoe mijery ny fahendrena ny fifantohan'ny olona iray. DH: "mifantoka amin'ny fanaovana fihetsika am-pahendrena"
Aseho amin'ny alalan'ny masony ny adala mba hanindriana ny amin'izay ifantohany. DH: "ny adala dia"
Ny nofinofy tsy ho tanteraky ny adala dia resahina toy ny hoe vazan-tany mba hanindriana fa lasa lavitra loatra ny fisainany. DH: "miezaka mafy hahazo zavatra izay lavitra azy tahaka ireo vazan-tany" na "mifantoka amin'ny zavatra tsy hay atao"
Ny zanaka izay mahatonga ny rainy halahelo dia resahina toy ny hoe ilay zanaka mihitsy no "alahelo." DH: "Ny zanaka adala mitondra alahelo amin'ny rainy"
Ny zanaka izany mahatonga fangidiana amin'ny reniny dia resahina toy ny hoe ilay zanaka mihitsy no "fangidiana." DH: "Ny zanaka adala ... mitondra fangidiana ho an-dreniny"
fanaitainana ara-pihetseham-po, alahelo
Io fanambarana io dia azo atao hoe DH: "tsy mety foana ny ... ary ratsy ny"
Ny mety ho dikany hafa dia "ny olona tsy manan-tsiny," izay rehetra nampangaina nohon'ny heloka izay tsy nataony.
mamely mafy
Ny teny hoe "fahitsiana" dia azo lazaina amin'ny mpamari-toetra hoe "marina." DH: "izay marina"
Entina ilazana ny fomba firesahany io. DH: "miresaka amin'ny teny vitsy"
Io dia azo soratana hoe DH: "Na ny olona aza mihevitra fa hendry ny adala"
Midika izany fa tsy miteny izy. DH: "tsy miteny"
Io dia azo atao hoe DH: "raisin'ny olona ho hendry izy"
1 Izay mitoka-tena dia mitady ny faniriany manokana ary mifanditra amin'ny fitsaràna tsara rehetra izy. 2 Ny adala dia tsy mahita fahafinaretana amin'ny fahazavan-tsaina, fa amin'ny fanambarana izay ao am-pony ihany. 3 Rehefa misy olona ratsy fanahy tonga, dia tonga miaraka aminy ny fanamavoana— miaraka amin'ny henatra sy fahafaham-baraka. 4 Rano lalina ny teny aloaky ny vavan'ny olona; ary rano miboiboika ny loharanon'ny fahendrena. 5 Tsy tsara ny miangatra amin'ny olona ratsy fanahy, na mandà ny rariny amin'ny olo-marina. 6 Ny molotry ny adala dia mitondra ady ho azy ary ny vavany mihantsy kapoka. 7 Ny vavan'ny adala no faharavany ary mamandrika ny tenany amin'ny molony izy. 8 Ny tenin'ny mpifosa dia toy ny sombin-kanina matsiro ary midina any anatin'ny vatana ireo. 9 Izay miraviravy amin'ny asany ihany koa dia rahalahin'izay mamotika indrindra. 10 Tilikambo mahery ny anaran'i Yaveh; mihazakazaka mankao ny marina ka voaaro. 11 Ny haren'ny mpanan-karena no tanàna voaarony ary ny tahaka ny manda avo ao an'eritreriny. 12 Mialoha ny faharavany dia mirehareha ny fon'ny olona, fa ny fanetre-tena no tonga alohan'ny voninahitra. 13 Izay mamaly mialohan'ny fihainoana— dia adalana sy henatra ho azy izany. 14 Zakan'ny fanahin'ny olona ny faharariana, fa iza no hahazaka izany fanahy torotoro izany? 15 Ny fon'ny manan-tsaina dia mandranto fahalalana ary ny sofin'ny hendry mitady izany. 16 Ny fanomezan'ny olona dia mety hanokatra lalana sy hitondra azy eo anoloan'ny olom-be. 17 Izay voalohany mitondra ny raharahany dia toa marina mandra-pihavin'ny mpifanandrina aminy ka hanontany azy. 18 Ny filokana dia mandamina fifandirana sy manasaraka ireo mpifanandrina mahery. 19 Ny rahalahy tafintohina dia sarotra azo noho ny tanàna mahery, ary ny fifandirana dia toy ny hidin'ny lapa. 20 Avy amin'ny vokatry ny vavany no mahafeno ny kibon'ny olona iray; amin'ny vokatry ny molony no maha-afapo azy. 21 Ny fahafatesana sy aina dia fehezin'ny lela, ary ireo izay tia ny lela dia hihinana ny vokany. 22 Izay lehilahy mahita vady dia mahita zavatra tsara ary mahazo sitraka amin'i Yaveh. 23 Ny olona mahantra dia miangavy famindram-po, fa ny olona manan-karena kosa mamaly an-kasiahana. 24 Izay milaza manana namana maro dia ho ravain'izy ireo, fa misy namana izay akaiky kokoa noho ny rahalahy.
"miala amin'ireo olona hafa" (UDB)
Ny olona izay tsy manaiky ny fitsarana tsara dia resahina toy ny hoe olona niadiany ny "fitsarana tsara." DH: "tsy manaiky izay fitsarana tsara rehetra izy"
"safidy hendry"
"Tsy miraharaha izay hahatakatra ny adala, fa ny ... ihany" Midika izany fa raisin'ny adala ho mifanohitra amin'ny fahafinaretana ny "fahazavan-tsaina." DH: "Halan'ny adala ny fahazavan-tsaina ary amin'ny ... ihany no ahitany fahafinaretana"
Midika izany fa amin'ny filazana amin'ny hafa izay tsapany sy ny fanirian'ny fony ihany no ahazoan'ny adala fahafinaretana. DH: "fa amin'ny filazana amin'ny hafa izay ao am-pony ihany"
Ny ao anatin'ny fon'ny olona iray dia maneho ny eritreritra sy ny fahatsapan'ilay olona. DH: "izay eritreretiny"
Eto ny "fanamavoana," "henatra," ary "fahafaham-baraka" dia resahina toy ny hoe olona izay miaraka amin'ny olona ratsy fanahy. Ireo mety ho heviny dia 1) maneho fanamavoana manoloana ny olona ratsy fanahy ny olona ary mahatonga azy hahatsapa henatra sy fahafaham-baraka. DH: "mahatsapa fanamavoana miampy henatra sy fahafaham-baraka ho azy ny olona" na 2) maneho fanamavoana ho an'ny hafa ny ratsy fanahy ary mahatonga azy ireo hahatsapa henatra sy fahafaham-baraka. DH: "asehony ny fanamavoany ny olon-kafa ary mahatonga azy ireo hahatsapa henatra sy fahafaham-baraka"
Mitovitovy hevitra ihany ireo teny roa ireo ary miara-ampiasaina mba hanindriana ny "henatra" tsapan'ny olona ratsy fanahy na ny olon-kafa.
Ireo andalana roa ireo dia mifanindry andalana ary misy hevitra ambadika fa ilay lehilahy eo amin'ny andalana voalohany dia lehilahy hendry. DH: "Ny tenin'ny vavan'ny olon-kendry dia rano lalina; ... ny loharanon'ny fahendrena dia rano miboiboika"
Ny tenin'ny olon-kendry izay lalina dia resahina toy ny hoe lalina tahaka ny rano. DH: "Tahaka ny rano lalina ny tenin'ny vavan'ny olona" na "Lalina dia lalina ny tenin'ny vavan'ny olona"
Eto dia ny vavany no entina iresahana ilay olona mba hanindriana izay lazainy.
Ny loharanon'ny fahendrena izay mitobatobaka dia resahina toy ny hoe loharano mandriaka. Ny fandriaky ny loharano dia resaina toy ny hoe rano mikoriana. DH: "ny loharanon'ny fahendrena dia mitobatobaka toy ny loharano mandriaka"
Ireo andian-teny ireo azo atao hoe DH: "Tsara ny mitondra ny olona ratsy fanahy araka izay mendrika azy, ary ny maneho rariny amin'ny olo-marina"
Eto dia amin'ny "molony" no entina iresahana ny adala mba hanindriana izay lazainy. DH: "izay lazain'ny adala dia mitondra"
"mahatonga"
Ny adala milaza zavatra izay mahatonga ny olona haniry ny hamely azy dia resahina toy ny hoe izy no mihantsy azy ireo hamono azy. DH: "ny vavany no mahatonga ny olona te hamono azy"
Eto dia ny "vavany" no entina ilazana ny adala. DH: "izay lazainy"
Samy manondro izay lazain'ny adala ireo andian-teny ireo. DH: "Izay lazain'ny adala ... amin'izay lazainy"
"hamotika azy"
Ny olona izay mahatonga olana sy fahoriana ho an'ny tenany ihany dia resahina toy ny hoe mamandri-tena tahaka ny famandrihan'ny olona ny biby izy. DH: "hahatonga olana ho an'ny tenany ihany izy"
Ny tenin'ny mpifosa maha-te hihaino dia resahina toy ny hoe sakafo matsiro raha hohanina. DH: "Ny tenin'ny mpifosa dia maha-te-hihaino"
Entina ilazana izay lazain'ny mpifosa io. DH: "Ny teny izay lazain'ny olona mpifosa"
poti-kanina kely
Ny tenin'ny mpifosa miditra ao an-tsain'ny olona ka miantraika amin'ny eritreriny dia resahina toy ny hoe sakafo izay miditra ao an-kibo. DH: "ary miditra ao an-tsain'ny olona izany ka miantraika amin'ny eritreriny"
Ny fitovian'ny olona miraviravy amin'ny olona izay mamotika dia resahina toy ny hoe tena mifandray tokoa ireo. DH: "dia mifandray akaiky amin'ny" na "tena mitovy amin'ny"
"kamo" na "tsy miraharaha"
"izay mamotika ny zava-drehetra" (UDB) na "izay mpandravarava hatrany"
Ny fiarovan'i Yaveh ny olony dia resahina toy ny hoe tilikambo mahery izay afaka ialofan'izy ireo. DH: "Miaro tahaka ny tilikambo mahery Yaveh" na "Miaro ny olony tahaka ny tilikambo mahery Yaveh"
Eto dia amin'ny anarany no iresahana an'i Yaveh. DH: "Yaveh"
Manondro ireo olo-marina io. DH: "ireo izay marina" na "olo-marina"
Ny olona mitady fiarovana avy amin'i Yaveh sy ny fiarovan'i Yaveh azy ireo dia resahina toy ny hoe tilikambo mahery izay ihazakazahan'izy ireo hahazoana fiarovana Izy. DH: "mihazakazaka mankeo aminy ka voaaro" na "mitady azy ary voaaro izy ireo"
Ny olona mpanan-karena miantehitra amin'ny hareny dia resahina toy ny hoe manda mafy orina izay miaro azy ny hareny. DH: "Miantehitra amin'ny hareny tahaka ny fianteheran'ny tanàna amin'ny manda mafy oriny ny olona mpanan-karena" (UDB)
Entina ilazana ireo olona mpanan-karena io. DH: "ny olona mpanan-karena"
tanàna misy fiarovana mafy tahaka ny manda na tilikambo
Io dia miresaka momba ny olona mpanan-karena izay mino fa hiaro azy tahaka ny manda avo izay miaro ireo izay ao an-tanàna ny hareny. DH: "mihevitra izy fa miaro azy tsara tahaka ny manda avo izany"
"Amin'ny voalohany dia mirehareha ny fon'ny olona, fa avy eo dia tonga ny faharavany"
Maneho fitotonganana lehibe eo amin'ny laza na fahasalaman'ny olona iray io.
Eto dia ny fony no entina ilazana ny olona iray mba hanindriana ny eritreriny sy ny fahatsapany. DH: "ny olona"
Ny teny hoe "fanetra-tena" dia azo atao amin'ny endrika mpamari-toetra ary ny teny hoe "voninahitra" dia azo atao amin'ny endrika matoanteny. DH: "tsy maintsy manetry tena ny olona iray vao afaka omem-boninahitra"
Ny teny hoe "adalana" dia azo atao amin'ny endrika mpamari-toetra ary ny teny hoe "henatra" dia azo atao amin'ny endrika matoanteny. DH: "adaladala aminy izany, ary tokony ho menatra izy"
Eto dia amin'ny fanahiny no iresahana ny olona mba hanindriana ny toetrany. DH: "Olona izay velom-panantenana dia hahazaka faharariana" na "Raha feno fanantenana ao anatiny ny olona iray, dia hahazaka ny faharariana izy"
Ity dia fanontaniana fampisainana, izay miandry ny valinteny fa vitsy no afaka mahazaka izany. Azo soratana amin'ny endrika fanambarana io. DH: "fa tena mafy ny mizaka izay fanahy torotoro izany."
Entina ilazana ny famoizam-po io. DH: "famoizam-po"
Eto dia amin'ny fony no iresahana ny olona manan-tsaina mba hanindriana ny faniriany. DH: "ny manan-tsaina maniry ny handranto"
Entina ilazana ny olona manan-tsaina io. DH: "ireo izay manan-tsaina" na "olona manan-tsaina"
"mahazo"
Eto dia amin'ny sofiny no iresahana ny olon-kendry mba hanindriana izay iriany ho re. DH: "ny hendry mikatsaka ny hianatra momba izany"
Entina ilazana ny olon-kendry io. DH: "ireo izany hendry" na "olon-kendry"
Eto ny teny hoe "izany" dia manondro ny "fahalalana"
Eto ny hoe "hanokatra lalana" dia midika hoe mampisy fahafahana. DH: "mety hampisy fahafahana ho azy"
Famelana hahita olona iray no dikan'io. DH: "mamela azy hihaona" na "mamela azy ho ampahafantarina amin'ny"
"Izay 1." Etina ilazana ny olona voalohany manao zavatra iray io. DH: "Ny olona voalohany"
Entina ilazana ny olona izay miady mafy manoloana ny fifandirana iray io. Rehefa misaraka izy ireo, dia tsy miady mahakasika ny fifandirany intsony. DH: "ary mahatonga ny mpifanandrina hitsahatra tsy hiady mahakasika ny fifandirany"
Ny fahasarotan'ny fihavanana amin'ny rahalahy izay tafintohina noho ianao dia ampitahaina amin'ny fahasarotan'ny fandresena amin'ny ady manohitra tanàna mahery iray. DH: "Raha manohina ny rahalahinao ianao, dia ho sarotra noho ny manangana ady handresena tanàna mahery iray ny ahitana fomba hihavanana aminy"
Ny fahasarotan'ny fandravonana ady dia ampitahaina amin'ny fahasarotan'ny famotehana ny hidin'ny lapa. DH: "sarotra tahaka ny famotehana ny hidin'ny lapa ny fandravonana ady"
toerana voaaro
Ireo andalana roa ireo dia mitovy hevitra ary miara-ampiasaina mba hanindriana izay voalaza. Natambatra ireo. DH: "Ny olona izay afapo amin'ny vokatry ny zava-tsoa lazainy"
Ny zavatra tsara izay lazain'ny olona dia resahina toy ny hoe vokatra izay avy amin'ny vavany. DH: "ny teny hendriny" na "ny teny soany"
Ny olona izay afapo na faly amin'ny vokatr'izay nolazainy dia resahina toy ny hoe nihinana izy ireo ka voky. DH: "afapo ny olona iray"
Ny zava-tsoa izay lazain'ny olona iray dia resahina toy ny hoe vokatra izay jinjaina. DH: "ny teny hendriny" na "ny teny soany"
"mahafaly azy"
Io dia azo atao hoe DH: "Afaka mitondra mankany amin'ny fiainana na ny fahatesana ny lela" na "izay lazain'ny olona dia mety hitondra ho any amin'ny fiainana na fahafatesana"
Eto ny "lela" dia entina ilazana ny teny. DH: "amin'izay lazain'ny olona ... tia fitenenana"
Ny olona mandray ny voka-dratsin'izay lazainy dia resahina toy ny hoe vokatra izay raisiny ireo voka-dratsy ireo. DH: "handray ny voka-dratsiny"
Io dia azo atao hoe DH: "namana maro_hitondra azy ho amin'ny faharavana izy ireo" na "namana maro_hamotika azy ireo namany"
"mahatoky kokoa noho" na "tsy mivadika kokoa noho"
1 Tsara kokoa ny olona mahantra izay mandeha amin'ny fahitsiany toy izay olona mivadika amin'ny teniny ary adala. 2 Ary koa, tsy tsara ny manana faniriana tsy misy fahalalana ary izay mihazakazaka mafy loatra dia ho diso lalana. 3 Ny hadalan'ny olona no mamotika ny fiainany ka amin'i Yaveh no sosotra ny fony. 4 Mahabe namana ny harena, fa ny olona mahantra kosa dia tafasaraka amin'ireo namany. 5 Ny vavolombelona sandoka dia tsy ho afa-maina ary izay mamoaka lainga dia tsy ho afa-bela. 6 Maro no hila sitraka amin'ny olona malala-tanana ary ny rehetra dia naman'izay manolotra fanomezana. 7 Halan'ny rahalahiny rehetra ny olona mahantra; koa mainka fa ireo namany izay manalavitra azy! Hiantso azy ireo izy, saingy efa lasa izy ireo. 8 Izay mahazo fahendrena dia tia ny ainy; izay mitazona ny fahalalana dia hahita soa. 9 Ny vavolombelona sandoka dia tsy ho afa-maina, fa izay mamoaka lainga kosa dia ho faty. 10 Tsy mety amin'ny adala ny miaina amin'ny harena mahafinaritra— mainka fa ny hanapahan'ny andevo eo amin'ireo andriandahy. 11 Ny fahamalinana mahatonga ny olona tsy ho mora tezitra ary voninahitra ho azy ny tsy mijery ny fahadisoana. 12 Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia tahaka ny fieron'ny liona tanora, fa ny sitrany kosa dia tahaka ny ando amin'ny ahitra. 13 Ny zanaka adala dia faharavana ho an'ny rainy ary ny vady mpifanditra dia toy ny rano mitete tsy tapaka. 14 Ny trano sy harena no lova avy amin'ny ray aman-dreny, fa vady hendry kosa no avy amin'i Yaveh. 15 Ny hakamoana dia mandatsaka ny olona anaty torimaso lalina, fa izay tsy vonon-kiasa kosa dia ho noana. 16 Izay mankatoa ny didy dia miaro ny ainy, fa ny olona izay tsy mihevitra ny lalany kosa dia ho faty. 17 Ireo izay rehetra miantra ny mahantra dia mampisambotra an'i Yaveh ary honerany izy noho ireo izay nataony. 18 Fehezo ny zanakao lahy dieny misy fanantenana ary aza entim-paniriana hamono azy. 19 Ny olona be kizitina dia tsy maintsy manefa ny sazy; raha mamonjy azy ianao, dia tsy maintsy hamerina izany fanindroany ianao. 20 Henoy ny torohevitra ary ekeo ny fampianarana, mba ho tonga hendry ianao any amin'ny fiafaran'ny fiainanao. 21 Maro ny fikasana ao am-pon'ny olona, fa ny tanjon'i Yaveh no haharitra. 22 Ny tsy fivadihana no irian'ny olona ary tsara kokoa ny olona mahantra noho ny mpandainga. 23 Ny fanomezam-boninahitra an'i Yaveh no mitarika ny olona amin'ny fiainana; izay rehetra manana izany dia ho afapo ary tsy ampahorian'ny ratsy. 24 Ny kamo dia handevina ny tanany ao an-dovia; tsy hamerina hampiakatra izany ao am-bavany akory izy. 25 Veleso ny mpaniratsira, dia ho mailo ny olona bado; anaro izay manan-tsaina, dia hahazo fahalalana izy. 26 Izay mandroba ny rainy ary mandroaka ny reniny dia zanaka mitondra henatra sy fahafaham-baraka. 27 Raha mitsahatra ny mihaino fampianarana ianao, ry zanako lahy, dia hania hiala amin'ireo tenin'ny fahalalana ianao. 28 Ny vavolombelona mpivadika dia maniratsira ny fitsarana ary ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina heloka. 29 Vonona ho an'ireo mpaniratsiratsira ny fanamelohana ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala.
"aleo olo-mahantra"
Fomba fiteny io. Eto ny mandeha dia entina ilazana ny fiainana. DH: "izay miaina amin'ny fahitsiany" na "izay miaina amin'ny fiainana marina"
Ny teny hoe "teniny" dia azo atao amin'ny endrika matoanteny. DH: "miteny amin'ny fomba mivadibadika" na "miteny amin'ny fomba ratsy"
Entina ilazana ny olona mitady hanao zavatra tsy misy fahalalana ny amin'ny fomba mety hanaovana azy io. DH: "miasa mafy tsy amin'ny fahalalana izay ataonao"
Ny olona izay manao zavatra haingana loatra ka manao ny tsy mety dia resahina toy ny hoe mihazakazaka mefy loatra ka diso lalana. DH: "izay manao zavatra malaky loatra dia hanao fahadisoana" na "izay manao zavatra malaky loatra dia manao safidy mampalahelo"
Eto dia amin'ny "fony" no iresahana ny olona iray mba hanindriana ny fihetseham-pony. DH: "sosotra izy"
Midika izany fa ny olona izay manan-karena dia hanana namana maro satria misarika ny olona ny harena. Ny hevitr'izany feno dia azo atao mazava. DH: "Ireo izay manan-karena dia mahita namana mora foana" (UDB)
Ny olo-mahantra dia tafasaraka amin'ny maro amin'ny namany nohon'ny fahantrany. Azo atao mazava kokoa ny hevitr'io. DH: "mahatonga ny olona ho very namana ny fahantrana"
DH: "Ho faizina tokoa ny vavolombelona sandoka"
Midika izany fa ho samborina izy. DH: "ho samborina izay mamoaka lainga"
Fomba fiteny io. Eto ny hoe "mamoaka" dia entina ilazana ny fandaingana tsy tapaka. Jereo ny fomba nandikanao io andian-teny io ao amin'ny 6:17. DH: "mandainga tsy tapaka"
olona izay manome zavatra matetika
Somary filaza-masaka kely io. DH: "toa namana avokoa ny olon-drehetra" na "saika namana avokoa ny olon-drehetra"
Io andian-teny io dia fanairana hampisehoana fa mitovitovy amin'ny adian-teny teo aloha izany. DH: "noho izany dia hankahala azy tokoa ny namany ary hiala lavitra azy!"
Eto dia amin'ny "ainy" no iresahana ny olona mba hanindriana ny fahavelomany ihany. DH: "tia ny tenany"
"manana fahazavan-tsaina"
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 19:5 io andian-teny io. DH: "Ho faizina tokoa ny vavolombelona sandoka"
Ity hevitra ambadika ity dia mampiasa ny hoe "mamoaka" dia entina ilazana ny fandaingana tsy tapaka. Jereo ny fomba nandikanao io andian-teny io ao amin'ny 6:17. DH: "mandainga tsy tapaka"
fanana harena sy fahafinaretana
Azo ampiana eto ny teny banga. DH: "vao mainka tsy mety kokoa ho an'ny andevo: na "vao mainka ratsy ho an'ny andevo"
"Ny olona manana fahamailoana dia tsy mora tezitra"
Fahalalana izay tokony hatao amin'ny toe-javatra iray manokana ny dikan'io. Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io teny io.
"mitondra voninahitra ho azy ny manadino" na "ho raisin'ny hafa voninahitra ny fanadinoany"
minia manadino
Eto ny fieron'ny liona dia entina ilazana ny fanafihana. Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia ampitahaina amin'ny fanafiahana tsy ampizina sy mampidi-doza ataon'ny liona tanora. DH: "Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia mampidi-doza tahaka ny fanafihan'ny liona tanora"
Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia ampitahaina amin'ny rano mamelombelona izay mipoitra eny amin'ny ahitra amin'ny maraina. DH: "fa ny fankasitrahany dia tahaka ny ando eny amin'ny ahitra" na "fa ny fankasitrahany dia mamelombelona tahaka ny ando eo amin'ny tany amin'ny maraina"
"hamotipotika ny rainy" (UDB)
Ny vady manorisory dia resahina toy ny hoe rano mitete tsy tapaka. DH: "ny vady mpifanditra dia manorisory ary manelingelina tahaka ny rano mitete tsy tapaka"
"vady mpiady" na "vady tsy mety manaiky"
Io dia azo atao hoe DH: "Mandova trano sy harena avy amin'ny ray aman-dreniny ny ankizy"
Adikao araka ny ao amin'ny 12:23 io andian-teny io.
Io dia azo atao hoe DH: "manome vady hendry Yaveh"
Ny fomba hampatorian'ny hakamoana ny olona iray dia resahina toy ny hoe mandatsaka an-katerena ilay olona ho amin'ny torimaso ny hakamoana. DH: "Ny hakamoana mampatory lava ny olona" na "Ny olona kamo dia matory lava"
Fomba fiteny ilazana ny tsy fihinana io. DH: "tsy hihinana"
"ny didy izay nampianarina azy"
"miambina ny ainy"
Fomba fiteny izay entina ilazana ny fomba fiainany io. DH: "ny fomba fiainany"
Raisin'i Yaveh ho fiantrana naseho taminy ny fiantrana aseho amin'ny mahantra. Iray amin'ny fomba iantran'ny olona ny mahantra ny fanomezana. DH: "Ny olona izay manome ho an'ny mahantra dia manome ho an'i Yaveh"
Ilazana ireo olo-mahantra io. DH: "ireo olo-mahantra" na "ireo izay mahantra"
Dieny mbola kely ny zaza ary mbola hanaiky fananarana sy fampianarana no tiana lazaina. Azo atao mazava ny hevitr'izany feno. DH: "dieny mbola kely izy" na "dieny mbola azo ampianarina izy"
Ireo mety ho heviny 1) io andian-teny io dia mamaritra ny famaizana ny zanakao. DH: "saingy aza manafay azy mafy loatra ka mety hahafaty azy" na 2) io andian-teny io dia mamaritra ny hoe toy ny ahoana raha tsy manafay ny zanakao ianao. DH: "fa raha tsy manafay azy ianao dia manampy azy hamotika ny tenany"
Tapa-kevitra hampitranga zavatra iray no dikan'io fomba fiteny io. DH: "tapa-kevitra ny hamono azy"
Manondro ny olona mora tezitra io fomba fiteny io. DH: "Olona izay tsy mifehy ny fahatezerany" na "Olona izay mora tezitra"
Io dia manondro ny olona mizaka ny voka-dratsin'izay mitranga rehefa tezitra izy. Azo atao mazava ny hevitr'io fanambarana io feno. DH: "tsy maintsy hizaka ny voka-dratsin'ny fahatezerany" na "tsy maintsy hizaka ny voka-dratsin'izay atao amin'ny fahatezerany"
"raha avotanao izy." Ilazana ny famonjena azy rehefa manao zavatra amin'ny fahatezerany io. Azo atao mazava ny hevitr'izany. DH: "raha mamonjy azy ianao aorian'ny nampisafoaka azy"
"indray"
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary averina mba hanindriana ny amin'ny lanjan'izany.
Fomba fiteny io. Eto ny hoe "henoy" dia tsy midika hoe mihaino fotsiny, fa mianatra amin'ny torohevitra izay nomena anao ary manaraka izany. DH: "Tandremo torohevitra" na "Araho ny torohevitra"
Eto ny "fo" dia ampiasaina mba hilazana ny "saina" mba hanindriana ny fanirian'ny olona iray. DH: "ao an-tsain'ny olona" na "izay irian'ny olona"
"ny fikasan'i Yaveh"
Fomba fiteny izay midika hoe "mitranga" io. DH: "no hitranga"
Midika izany fa ho ela velona izy ireo raha manaja an'i Yaveh. Ny hevitr'io fanambarana io feno dia azo atao mazava. DH: "Ho ela velona ireo izany manaja an'i Yaveh; ho afapo izay rehetra manaja an'i Yaveh"
Eto ny teny hoe "izany" dia manondro "ny "fanomezam-boninahitra an'i Yaveh."
Io dia azo atao hoe DH: "afapo; tsy hisy haninona azy" na "afapo; ho voaro izy"
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 10:26 io teny io.
"manatsoboka ny tanany ao an-dovia" na "mametrana ny tanany eo an-doviany." Tamin'ny kolotsaina ara-Baiboly dia matetika ny olona no nihinana tamin'ny tanany tahaka ny ataon'ny olona maro ankehitriny araka ny kolotsainy.
Tsy mamerina ny tanany ho eo am-bavany izy satria kamo loatra. DH: "saingy kamo hamerina hampiakatra ny tanany ao am-bavany loatra izy mba hamahana ny tenany"
"Raha mamely ny mpaniratsira ianao, ny olona bado"
"Faizo"
"olona tsy manan-traikefa" na "olona tsy matotra"
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 12:23 io teny io.
"raha mananatra ny olona manan-tsaina ianao,"
Eto ny hevitra ambadiky ny fahalalana dia resahina toy ny hoe zavatra izay mety ho azon'ny olona bebe kokoa. DH: "hahalala bebe kokoa"
Ireo mety ho heviny dia 1) mitondra izany ho an'ny tenany ihany izy. DH: "mitondra henatra sy fahafaham-baraka ho an'ny tenany ihany izy" na 2) amin'ny fianakaviany no hitondrany izany. DH: "mitondra henatra sy fahafaham-baraka ho an'ny fahafaham-baraka"
Eto ny "fihainona sy fankatoavana" dia resahina toy ny hoe "mihaino." DH: "Raha mitsahatra ny miaino fananarana ianao" na "Raha mijanona tsy mankatoa fananarana ianao"
"dia hahafoy" na "hitodi-damosina"
"fahalalana"
Ny fomba fankafizan'ny ratsy fanahy ny fanaovan-dratsy dia resahina toy ny hoe mitelina heloka mora foana tahaka ny fitelomana hanina izy ireo. DH: "mankafy ny fanaovan-dratsy tahaka ny fankafizany ny fihinanan-kanina ny ratsy fanahy"
Eto dia ny "vavany" no iresahana ny ratsy fanahy. DH: "ny ratsy fanahy mitelina"
Ilazana ny olona ratsy fanahy io. DH: "ny olona ratsy fanahy"
Ny teny hoe "fanamelohana" sy "kapoka" dia azo atao amin'ny endrika matoanteny. DH: "Vonona ny hanameloka sy hikapoka ... Yaveh"
Azo ampidirina eto ny teny tsy ampy. DH: "vonona ho an'ny lamosin'ny ... ny kapoka" na "vonona ny hikapoka ny lamosin'ny ... Izy"
fikapohana amin'ny karavasy na tsora-kazo
1 Ny divay dia mpaniratsira ary ny zava-pisotro mahery dia mpitabataba; izay voavily lalana amin'ny fisotroana amin'ny lalan-diso dia tsy hendry. 2 Ny tahotra ny mpanjaka dia tahaka ny tahotra ny liona tanora izay mierona; izay mampahatezitra azy dia manary ny ainy. 3 Voninahitra ho an'ny rehetra ny misoroka fifandirana, fa ny adala rehetra dia miantsampy amin'ny fiadian-kevitra. 4 Ny olona kamo dia tsy miasa tany amin'ny lohataona; mitady vokatra izy amin'ny fararano fa tsy hahazo na inona na inona. 5 Ny tanjona ao am-pon'ny olona dia tahaka ny rano lalina, fa ny olona izay manam-pahalalana kosa hamoaka azy. 6 Maro ny olona milaza fa tsy mpivadika, saingy iza no afaka hahita olona mahatoky? 7 Ny olona marina dia mandeha amin'ny fahitsiana, ary ireo zanany izay mandimby azy aoriany dia hotahiana. 8 Ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany manatanteraka ireo adidin'ny mpitsara dia manivana ireo ratsy rehetra izay eo alohany amin'ny masony. 9 Iza no afaka miteny hoe: "Efa nihazona ny foko hadio aho; afaka amin'ny otako aho"? 10 Ny mizana tsy mitovy lanja sy ny fandrefesana tsy mitovy— dia samy halan'i Yaveh. 11 Na ny tanora aza dia fantatra amin'ny ataony, raha madio sy mahitsy ny fitondran-tenany. 12 Ny sofina izay maheno ary ny maso izay mahita— dia samy nataon'i Yaveh avokoa ireo. 13 Aza mitia torimaso fandrao ho tonga amin'ny fahantrana ianao; sokafy ny masonao dia hanan- kohanina be ianao. 14 "Ratsy! Ratsy! hoy ny mpividy, fa rehefa lasa izy dia mirehareha. 15 Misy ny volamena sy vato lafo vidy maro be, fa ny molotry ny fahalalana dia firavaka sarobidy. 16 Alao ny akanjon'izay nampisy fiarovana ho an'ireo vahiny, ary tazony ho antoka izany raha manisy fiarovana ho an'ny vehivahy ratsy fitondran-tena izy. 17 Mamy ny tsiron'ny mofo azo amin'ny fitaka, saingy rehefa afaka izany dia ho feno vatokely ny vavany. 18 Ireo paika dia voalamin'ny torohevitra ary amin'ny tari-dalana hendry ihany no tokony hitondranao ny ady. 19 Ny fifosana mamoaka tsiambaratelo ary noho izany dia tsy tokony hiaraka amin'ireo olona izay mpiteny foana ianao. 20 Raha misy olona manozona ny rainy sy ny reniny, dia ho faty eo afovoan'ny aizina ny jirony. 21 Ny lova azo mora foana any am-piandohana dia tsy dia hahasoa any am-parany. 22 Aza miteny hoe: "Hamaly anao noho iny ratsy iny aho!" Miandrasa an'i Yaveh dia hamonjy anao Izy. 23 Halan'i Yaveh ireo vato fandanjana tsy mitovy ary ny mizana tsy marina dia tsy tsara. 24 Ny dian'ny olona dia tarihan'i Yaveh; koa ahoana no ahalalany izay lalany? 25 Fandrika ho an'ny olona ny miteny an-kamehana hoe: "Masina ity zavatra ity," ary rehefa avy nanao ny voadiny vao manomboka mieritreritra izay dikany. 26 Ny mpanjaka hendry dia manivana ny ratsy fanahy ary mamadika ny kodiaran'ny fikororohana eo amin'izy ireo. 27 Ny fanahin'ny olona no jiron'i Yaveh, mitady ireo singa anatiny indrindra. 28 Tsy fivadiham-panekena sy fahamendreham-pitokisana no miaro ny mpanjaka; ny seza fiandrianany dia voaaron'ny fitiavana. 29 Ny voninahitr'ireo tovolahy dia ny tanjany ary ny famirapiratan'ny olona antitra dia ny volofotsiny. 30 Ireo famelezana izay mandratra manaisotra ny ratsy ary ny kapoka dia mahatonga ny any anaty lalina hadio.
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary nakambana mba hanindriana ny amin'ny fahalozan'ny alikaola be loatra.
Eto ny "divay" dia ilazana ny olona izay mamon-divay. DH: "Ny olona mamon-divay dia maniratsira"
Eto ny "zava-pisotro mahery" dia ilazana ny olona izay mamon'ny zava-pisotro mahery. DH: "ny olona izay mamon'ny zava-pisotro mahery dia mitarika ady"
olona izay miady amin'ny feo mitabataba, matetika dia eny ankalamanjana
Io dia azo atao hoe DH: "izay rehetra misotro foana raha tsy efa tsy afaka misaina tsara intsony"
Eto ny "fisotroana" dia maneho fisotroana zava-pisotro misy alikaola.
Mifanohitra amin'ny "hendry" no dikan'izany, izany hoe "adala." DH: "adala"
Mampitaha ny fatahoran'ny olona ny fahatezeran'ny mpanjaka amin'ny fatahoran'izy ireo ny liona mierona io. DH: "Mampatahotra ny olona tahaka ny fatahorany ny hifanatrika amin'ny liona tanora mierona ny fahatezeran'ny mpanjaka"
"mampatezitra ny mpanjaka"
Ilazana ny mpanjaka voavono io. Ny "aina" eto dia ilazana ny fiainana ara-nofo. DH: "ho faty"
"Mahenin-kaja." Midika izany fa hahazo voninahitra ny olona iray.
Ny fidirana amin'ny ady faingana dia resahina toy ny hoe zavatra mivaigana iantsapazan'ny adala ilay ady. DH: "ny adala rehetra miditra amin'ny ady" na "ny adala rehetra malaky miditra amin'ny ady"
mikarakra ny tany ho amin'ny fambolena
"vanim-potoana fambolena"
Midika izany fa tsy hisy na inona na inona haniry eo amin'ny saha mba ho jinjainy. DH: "fa tsy hanana na inona na inona ho jinjaina"
Ny fahasarotan'ny fahazoana ny anton'ny zavatra nataon'ny olona iray dia ampitahaina amin'ny fahasarotan'ny fahatakarana ny rano any anaty fantsakana lalina. DH: "Sarotra tahaka ny mahazo rano ao anaty fantsakana lalina ny mahazo ny tanjona ao am-pon'ny olombelona" na "Ny tanjona ao am-pon'ny olombelona dia saro-takarina"
"olona manana fahazavan-tsaina"
Ny fahafantarana ny tanjona ao am-pon'ny olona dia resahina toy ny hoe rano notovozina avy ao anaty fantsakana lalina. DH: "hahatonga ny tanjona ho fantatra" na "hahafantatra izany"
"mahatoko" "mendri-pitokisana"
Ny valinteny ambadik'izany dia hoe "vitsy no afaka hahita olona tahaka izany." Io fanontaniana fampisainana io dia azo atao amin'ny endrika fanambarana an-tsoratra. DH: saingy vitsy ny olona afaka mahita olona mahatoky" na "saingy sarotra ny mahita olona tena mahatoky"
Eto ny fandehanana dia maneho ny fiainana. Jereo ny fomba nandikanao io andian-teny io ao amin'ny 19:1. DH: "miaina amin'ny fahitsiany" na "miaina fiainana marina"
Midika tsotra izao izany fa "manaraka azy" izy ireo satria kely noho izy sady zanany. Raha hafahafa amin'ny fiteninao io andian-teny io dia azo ajanona amin'ny maha-hevitra ambadika azy. DH: "ny zanany mandimby azy" na "ny zanany"
Ny mpanjaka mitsara ireo karazan-dratsy samihafa dia resahina toy ny hoe manasaraka azy ireo tahaka ny fanivanan'ny olona ny voa. DH: "mahita ka mandamina ny karazan-dratsy samihafa izay entina eo anatrehany"
Ny valinteny ambadik'io fanontaniana io dia hoe "Tsy misy afaka milaza izany." Io fanontaniana fampisainana io dia azo atao amin'ny endrika fanambarana an-tsoratra. DH: "Tsy misy afaka milaza fa madio ny fony ary afaka amin'ny fahotany izy"
Eto dia amin'ny "fony" no iresahana ny olona iray mba hanindriana ny amin'ny eritreriny sy ny faniriany. DH: "ny tenako"
Ny olona izay raisin'Andriamanitra ho azo ekena ara-panahy dia resahina toy ny hoe madio ara-batana ilay olona.
"tsy misy fahotana aho" na "tsy nanota aho"
Io dia azo atao hoe DH: "Fantatry ny olona amin'ny asany ny tanora"
"raha madio sy marina ny fitondran-tenany na tsia"
"ny asany" na "izay ataony"
Ireo teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary manindry ny amin'ny fahatsaran'izay tanora izany. Azo akambana ho teny iray ireo raha ilaina. DH: "madio"
Averina ny hevitra roa mitovy mba hanindriana fa Yaveh no nanao ny retsika rehetra.
Ny andian-teny hoe "tonga amin'ny" eto dia midika hoe fiampitana amin'ny trangan-javatra hafa; zary. DH: "hanjary hahantra"
Eto ny "fanokafana ny mason'ny olona" dia resahina toy ny hoe "mifoha." DH: "mifohaza" (UDB) na "miambena"
Eto dia mitsikera izay varotan'ny olona iray ny mpividy mba hahazoany vidiny ambany. Aorian'ny nividianany dia midehaka ny amin'ilay vidy tsara izay nandreseny lahatra ny mpivarotra homena azy izy. Azo atao mazava ny hevitr'io feno. DH: "Ratsy!Ratsy" hoy ny mpividy mitsikera ny entan'ilay mpivarotra, saingy aorian'ny ividianany dia lasa izy mirehareha ny amin'ilay vidy ambany izay naloany"
Ny lanjan'ny molotry ny fahalalana dia ampitahaina amin'ny firavaka sarobidy. DH: "sarobidy tahaka ny firavaka lafo vidy ny molotry ny fahalalana"
Eto dio "molotra" no iresahana ny "teny." DH: "teny hendry" na "tenin'ny fahalalana"
Rehefa mampindram-bola, dia maka zavatra amin'ilay mpindrana ny mpampindrana, tahaka ny akanjo, mba ho antoka amin'ny famerenana. Ho averiny izany aorian'ny hamerenana ilay vola. Raha mahantra loatra ilay mpindrana, dia misy olon-kafa afaka manome zavatra iray amin'ilay mpampindrana ho antoka ho azy. Azo atao mazava ny hevitr'io fanambarana io feno. DH: "Makà ankanjo iray ho fiarovana amin'ilay iray izay manome antoka fa ho vaoloa izay nindramin'ny vahiny"
Fomba fiteny io. Midika izany fa misy olona manome zavatra amin'ny mpampindrana ho antoka fa ho voaloa izay nindramina. DH: "manome antoka fa ho voaloa izay nindramina" na "mampanantena ny handoa ny findramana"
Fomba fiteny io. Ny "fitazonana ny zavatra iray ho antoka" dia midika fitazonana zavatra iray izay nomen'ny olona ho antoka, na fampanantenana, fa handoa ny trosa izy. DH: "tazony ny akanjony ho antoka amin'ny famerenana"
Io dia azo atao hoe DH: "Ny mofo azon'ny olona tamin'ny fitaka"
Ny teny hoe "fitaka" dia azo atao amin'ny endrika matoanteny. DH: "amin'ny famitahana olona"
Eto ny "mofo" dia maneho ny sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "Sakafo"
"mamy ny tsirony"
Ny sakafo tsy tsara tsiro dia resahina toy ny hoe tena feno vatokely ny vava fa tsy hanina. DH: "saingy aorin'izany dia tahaka ny vatokely ny tsirony ao am-bavany" na "fa vetivety dia tahaka ny fasika ny tsirony ao am-bavany"
poti-bato madinika
Io dia azo atao hoe DH: "Manao paika mifototra amin'ny torohevitra ny olona"
Olona mifosa lava no dikan'io.
"tsy tokony hinamana amin'ireo"
Midika izany hoe raha misy olona maneho faniriana ny hitrangan'ny zava-dratsy amin'ny olona hafa.
Ny olona maty tampoka sady tsy ampoizina dia resahina toy ny hoe maty tao amin'ny aizina ny jirony. DH: "ho tapitra tampoka tahaka ny jiro izay maty ao amin'ny aizina ny ainy" na "ho faty tampoka izy"
Io dia azo atao hoe DH: "ho faty ny jirony"
Eto io dia maneho jiro misy afo mirehitra. Eto dia ilay jiro mihitsy no ilazana ny afon'ilay jiro. DH: "ny faon'ny jirony"
mahatonga ny afo ho faty
Entina ilazana ny olona mandray ny lovany mialohan'ny tokony handraisany izany io. Azo atao mazava ny hevitr'io fanambarana io feno. DH: "mialohan'ny fotoana mety"
Midika fanaovana ratsy amin'ny olona iray izany satria nanao ratsy taminao izy. DH: "Hanafay anao"
Manana finoana fa hisahana ny momba izany toe-javatra izany Yaveh no dikan'io. DH: "Manàna finona an'i Yaveh" na "Manantenà an'i Yaveh''
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary ampiarahina mba hanindriana ny amin'ny faharatsian'izany.
Io dia azo atao hoe DH: "Yaveh no matarika ny dian'ny olona"
Ilazana ireo karazan-javatra ataon'ny olona iray io. DH: "Ny ataon'ny olona"
Ny valinteny ambadik'izany dia hoe tsy afaka ny hahalala izany izy. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "noho izany, dia tsy afaka mahalala ny lalany ny olona"
Fomba fiteny io. Ny teny hoe "lalany" dia ilazana ny fiainan'ny olona iray. DH: "ahalalany ny antony hitrangan'ny zavatra sasany eo amin'ny fiainany"
Ny zavatra mampidi-doza dia resahina toy ny hoe fandrika. DH: "Mampidi-doza"
milaza zavatra faingana sady tsy misy fiheverana tsara ny amin'izay mety ho dikany
Nanao voady tamin'ny fanambarana fa masina ny zavatra iray ka nanokana izany ho an'i Yaveh ilay olona. DH: "nanokana izany ho an'i Yaveh" na "nanambara izany ho masina"
Ny mpanjaka manavaka ny ratsy fanahy dia resahina toy ny hoe voa izay sivaniny. DH: "manavaka ny ratsy fanahy"
Manondro ireo ratsy fanahy io. DH: "ireo izay ratsy fanahy" na "ny olona ratsy fanahy"
Ny mpanjaka manafay ny ratsy fanahy dia resahina toy ny hoe mitondra kodiarana fikororohana eo amin'izy ireo. DH: "ary manafay mafy azy ireo"
"fiara fikororohana." Fitaovana hitotoana vary ary manampy amin'ny fanavahana izany amin'ny akofa io.
Ny fanahin'ny olona dia resahina toy ny hoe jiro. Manampy azy hahalala ny ao anatiny lalina ny fanahin'ny olona. DH: "Nomen'i Yaveh fanahy hahalala ny ao anatintsika lalina Yaveh, tahaka ny jiro izay mampahita antsika ao amin'ny aizina"
Ny tsy fivadiham-panekena sy fahamendreham-pitokisan'ny mpanjaka dia resahina toy ny hoe olona izay miaro ny mpanjaka. DH: "Miaro ny tenany aminy tsy fivadiham-panekena sy fahamendreham-pitokisany ny mpanjaka"
miaro ny mpanjaka amin'ny ratsy
Ny fitiavan'ny mpanjaka dia resahina toy ny hoe olona izay miaro ny fanapahany. DH: "ny seza fiandrianany dia voaaron'ny fitiavany"
Eto dia ny "seza fiandrianany" no iresahana ny mpanjaka. DH: "ataon'ny mpanjaka azo antoka fa hanjaka mandritra ny fotoana ela izy amin'ny fanehoana fitiavana amin'ny hafa"
Samy mitovy hevitra ihany ireo fanambarana ireo ary averina mba ho fanamafisana. Ny fampiasana famaizana ara-batana mba hananarana olona iray dia resahina toy ny hoe loto ny ratsy ary ny kapoka no nanadio azy. DH: "Ny fikapohana olona iray izay nanao ny tsy mety no hanitsy azy ka hahatonga azy ho olona tsara kokoa"
1 Ny fon'ny mpanjaka dia rano mikoriana eo an-tanan'i Yaveh; aviliny eny amin'izay itiavany azy izany. 2 Ny lalan'olona rehetra dia mahitsy eo imasony ihany, fa Yaveh no mandanja ny fo. 3 Izay manao ny marina sy mahitsy dia sitrak'i Yaveh kokoa mihoatra ny sorona. 4 Ny fiavonavon'ny maso sy fireharehan'ny fo—ny jiron'ny ratsy fanahy— dia fahotana. 5 Ireo fikasan'ny mazoto dia mitarika makany amin'ny fanambinana ihany, fa ny olona rehetra izay maimaika loatra dia tonga amin'ny fahantrana ihany. 6 Ny fihariana harena amin'ny lela mandainga dia entona mihelina ary fandrika mamono. 7 Ny herisetran'ny ratsy fanahy dia hisintona azy ireo, satria mandà ny hanao izay rariny izy ireo. 8 Miolakolaka ny lalan'ny olona meloka, fa ny olona izay madio dia manao izay marina 9 Aleo kokoa mipetraka eo amin'ny zoron'ny tafo toy izay miray trano amin'ny vady mpila ady. 10 Ny hanoanan'ny ratsy fanahy dia maniry fatratra ny ratsy; tsy mahita fahatsarana eo amin'ny masony ireo namany izy. 11 Rehefa faizina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina, ary rehefa anarina ny olona hendry, dia hihazona fahalalana izy. 12 Mandinika ny tranon'ny olona ratsy fanahy ny olo-marina; mitondra ny olona ratsy fanahy ho amin'ny loza izy. 13 Ny olona izay manampina ny sofiny amin'ny fitarainan'ny mahantra, dia mbola hitaraina ihany koa, saingy tsy hisy hamaly azy. 14 Ny fanomezana mangingina mampitony ny hatezerana ary ny fanomezana miafina dia mampilefy ny fahatezerana mafy. 15 Rehefa vita ny fitsarana, dia mitondra fifaliana ho an'ny olo-marina izany, saingy mitondra horohoro ho an'ireo mpanao ratsy izany. 16 Izay mirenireny miala amin'ny lalan'ny fahazavan-tsaina, dia hitsahatra ao amin'ny fiangonan'ny maty. 17 Izay tia fahafinaretana dia hahantra; izay tia divay sy diloilo dia tsy hanan-karena. 18 Ny olona ratsy fanahy dia solovaika ho an'ny olo-marina, ary ny olona mpamitaka dia vidim-panavotana ho an'ny olona mahitsy. 19 Aleo mitoetra any an-tany efitra toy izay miaraka amin'ny vady mpifanditra sy tezitra. 20 Harena sarobidy sy diloilo no ao an-tranon'ny hendry, fa ny olona adala kosa mandany ireo. 21 Izay manao ny marina sy tsara fanahy— izany olona izany dia hahita ny fiainana, fahamarinana, ary voninahitra. 22 Ny olona hendry mananika ny tanànan'ireo mahery, ary mandrodana ny fiarovana mafy izay nitokian'ireo. 23 Na iza na iza miambina ny vavany sy ny lelany dia miaro ny tenany amin'ny fahoriana. 24 Ny olona miavonavona sy mirehareha—"Mpaniratsira" no anarany— dia manao fihetsika feno fiavonavonana. 25 Ny fanirian'ny kamo dia mahafaty azy, satria mandà ny hiasa ny tanany. 26 Maniry fatratra mandritra ny tontolo andro izy, fa ny olo-marina dia manome sady tsy kahihitra. 27 Maharikoriko ny sorona avy amin'ny ratsy fanahy; maharikoriko kokoa aza izany rehefa mitondra izany amin'ny antony ratsy izy. 28 Ho faty ny vavolombelona sandoka, fa ny olona izay mihaino dia hiteny amin'ny fotoana rehetra. 29 Ny olona ratsy fanahy dia manamafy ny endriny, fa ny olona mahitsy dia matoky amin'ny lalany. [1]30 Tsy misy fahendrena, tsy misy fahalalana, ary tsy misy torohevitra afaka mijoro hanohitra an'i Yaveh. 31 Ny soavaly nomanina ho amin'ny andron'ny ady, saingy an'i Yaveh ny fandresena.
Ny fon'ny mpanjaka dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe lakan-drano eo amin'ny faritra maina izay hitarihan'ny olona rano ho eo amin'ny zava-maniry izay mila izany. DH: "Yaveh no mibaiko ny fon'ny mpanjaka tahaka ny fitarihan'ny olona ny rano avy amin'ny lakan-drano"
Ny fo dia sarinteny ilazana ny izay eritreretin'ny olona sy izay tiany hatao. DH: "Ny fihevitry ny mpanjaka sy ny ataony" na "Izay heverin'ny mpanjaka sy izay tiany hatao"
Ny teny hoe "maso" dia sarinteny ilazana ny fomba fihevitry ny olona ny amin'ny ratsy sy tsara. Ny ataon'ny olona dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha amin'ny lalana iray izy. DH: "Ny olon-drehetra mihevitra fa tsara ny ataony"
Ny fanapahan'i Yaveh raha mety izay irian'ny olona hatao dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mijery zavatra mivaingana i Yaveh ary manapaka raha tsara ny kalitaony. DH: "hitsara ny antony"
"manao izay heverin'i Yaveh ho marina"
"Mitondra ny olona araka ny fomba tian'i Yaveh hitondran'ny olona ny hafa"
"mahitsy—tian'i Yaveh kokoa izany mihoatra"
Ny teny hoe "maso" sy "fo" dia finbangoan-teny ilazana ny olona izay mihevi-tena ho tsara mihoatra ny hafa ary maniry ny ahafantaran'ny hafa izany. DH: "Olona izay maniry ny hafa mba hihevitra fa tsara mihoatra noho ny olona hafa izy"
Io dia fibangoan-teny ilazana ny olona izay maniry ny hafa mba hahafantatra fa mihevi-tena ho tsara noho izy ireo izy.
Fibangoan-teny ilazana ny olona izay mihevi-tena ho tsara noho ny hafa io.
Ny zavatra izay manampy ny ratsy fanahy dia resahina toy ny hoe jiro. DH: "ny zavatra izay manampy ny olona ratsy hahita ao anaty aizina tahaka ny jiro"
Io mpamaritra anarana io dia azo adika amin'ny andian-teny misy anarana. DH: "olona mazoto" na "olona izay miasa mafy"
Ny teny hoe "fahantrana" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "dia lasa mahantra ihany"
Ny lela dia sarinteny ilazana ny teny izay ampiasain'ny olona iray izay mampiasa ny lela mba hitenenana. DH: "milaza lainga"
Ampitovian'ny mpanoratra amin'ny zavona izay dify vetivety amin'ny maraina ny harena azon'ny polona amin'ny fandaingana. DH: "zavona manjavona"
Ny harena azon'ny olona amin'ny lainga dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe fanjonoana iray ao amin'ny fandriky ny mpihaza; ny teny hoe "fandrika" dia ilazana ny fanjonoana izay misarika ny biby ho ao amin'ny fandrika.
Toy ny hoe olona izay afaka misintona ny olona hafa no firesaky ny mpanoratra ny herisetra. Ho faizin'Andriamanitra ny olona ratsy fanahy manisy ratsy ny namany tsy manan-tsiny nohon'ny asa feno setrasetra nataony.
Ny teny hoe "herisetra" dia entina ilazana ny asa feno setrasetra na zavatra ataon'ny olona mba hamelezana ny namany tsy manan-tsiny. Ny teny hoe "ratsy fanahy" dia mpamaritra anarana ary azo adika amin'ny andian-teny misy anarana, "olona ratsy fanahy." DH: "Ny asa feno herisetra ataon'ny olona ratsy fanahy mba hanisiana ratsy ny namany tsy manan-tsiny"
"mitazona azy ireo ary manery azy hiseho eo anatrehan'Andriamanitra mba hahafahan'Andriamanitra mitsara azy ireo"
Fampitahana ny fomba fiainan'ny olona iray amin'ny lalana miolakolaka izay andehanan'ny olona iray izany. Fomba fiteny io. DH: "Ny fomba fiainan'ny meloka dia miolakolaka"
Eto ny hoe "miolakolaka" dia midika hoe mikitaontaona na tsy mahitsy. Sarinteny ilazana ny fahadisoana ara-moraly io. DH: "diso"
Nitapelaka ny tafo tamin'izany andro izany. Teny an-tafon-trano no nandanian'ny Israelita fahiny ny fotoany, izay matetika mangatsiatsiaka mihoatra ny ao an-trano, ary indraindray dia nanorina fialofana lehibe ampy hatorian'ny olona teo an-joron'ny tafo ny olona.
olona izay miady na mitaraina matetika
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe olona izay afaka maniry zavatra iray ny hanoanan'ny olona, dia ilay faniriana hanina sy fisotro ara-batana. Ny teny hoe "ratsy fanahy" dia mpamaritra anarana izay manondro ny olon-dratsy; ny teny hoe "ratsy" dia ilazana ny asa ratsy. DH: "Maniry ny hanao asa ratsy tahaka ny faniriany hihinana sy hisotro ny olon-dratsy"
"maniry mafy"
Ny tany anarana hoe "fahatsarana' dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. Ny fanalefahan-kevitra hoe "tsy mahita fahatsarana" dia azo adika amin'ny endrika tsy misy fanoherana. Ny andian-teny hoe "ny masony" dia ilazana ny olona. DH: "fa tsy tsara fanahy izy" na "fa tena ratsy toetra izy"
Io dia azo atao hoe DH: "Rehefa misy manafay ny mpaniratsira"
"tsy manan-traikefa" na "tsy matotra"
"ny olona maniratsira ny hafa"
io dia azo atao hoe DH: "rehefa misy mampianatra ny hendry"
Eto ny fahalalana dia resahina toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona samborina ka hazoniny ho azy ihany.
Ireo mety ho heviny dia 1) izay olo-marina rehetra na 2) "Yaveh ilay iray izay marina."
"mitandrina tsara ny"
Eto ny loza dia resahina toy ny hoe toerana izay afaka itondrana olona iray. DH: "mamotika azy ireo izy"
Fomba fiteny io. DH: "Izay tsy hihaino rehefa misy mahantra mangataka fanampiana"
Ny teny hoe "hamaly" dia ilazana ny olona mihaino olon-kafa izay mangataka fanampiana ary mihetsika mba hanampy azy. Io dia azo adika hoe DH: "tsy hisy hanao na inona na inona hanampiana azy"
"mahatsaratsara ny olona hany ka tsy tezitra intsony izy"
Ny anarana hoe "fitsarana" dia azo adika amin'mny endrika andian-teny misy anarana. Ireo teny ireo dia azo adika hoe DH: "Rehefa manao izay marina ny mpanapaka"
Fomba fiteny io. DH: "tsy miaina am-pahendrena intsony"
"hitoetra ao amin'ny fiangonan'ny fanahy maty izy"
Ny teny hoe "vidim-panavotana" dia sarinteny ilazana ny olona izay misolo toerana ny olon-kafa.
olona manisy ratsy an'ireo izay matoky azy amin'ny fandaingana na amin'ny famitahana
"olo-marina"
Io mpamaritra anarana io dia azo adika amin'ny andian-teny misy anarana. DH: "olona hendry"
"mampiasa ireo"
"mihanika avy eo amin'ny manda izay manodidina ny tanàna"
"tanàna izay onenan'ny olona" na "tanàn'ny mpiady mahery"
Fomba fiteny io. DH: "mamotika"
"ny manda sy ny tilikambo manodidina ny tanàna izay tsy noheverin'izy ireo tsy hisy ho afaka hihoatra ho ao an-tanàna, hany ka nahatsapa ho voaaro izy ireo"
Samy manondro izay lazain'ny olona ny "vava" sy ny "teny." DH: "Izay rehetra mitandrina izay lazainy"
"Mahazo manampo ny olona miavonavona sy mirehareha hanao fihestika feno fiavonavonana ianao"
Ireo teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary manamafy ny amin'ny fireharehan'ilay olona
Ny teny hoe "anarany" dia ilazana ny fomba iantsoan'ny olona azy. DH: "mpaniratsika no tokony hiantsoanao"
Izay irian'ny olona dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe olona izay afaka mamono ny kamo. Eto ny olona kamo dia te hidonana-poana fa tsy hiasa. DH: "Ny olona kamo te hidonana-poana, ary nohon'ny amin'izany dia ho faty izy" na "Ho faty ny olona kamo satria tsy te-hiasa"
Ny tanana dia fibangoan-teny ilazana ilay olona. DH: "mandà izy"
"maniry mafy"
Azo atao mazava kokoa ny izay omeny. DH: "manome izay rehetra tokony homeny" na "manome an-kalalahana"
Tsy manonona an'i Yaveh ny mpanoratra eto, tahaka ny ao amin'ny 15:7, saingy tokony ho fantatry ny mpamaky fa Yaveh ilay mankahala ny sorona avy amin'ny ratsy fanahy.
Ny mpamaritra anarana "ratsy fanahy" dia azo adika amin'ny endrika andian-teny misy anarana. DH: "ny olona ratsy fanahy"
"Halan'i Yaveh kokoa aza ny sorona"
Izany dia satria tsy ho adinoin'ny olona mihitsy izay nolazainy.
Ireo mety ho heviny dia 1) "mody miseho ho be herim-po" na 2) "tsy hihaino fananarana"
"matoky fa izay ataony dia mety satria ataony azo antoka fa mety ny ataony mialoha ny hanaovany izany"
Ny teny hoe "tsy misy" dia averimberina mba hanamafisana ny anarana hoe "fahendrena," "fahazavan-tsaina," ary "torohevitra." Lehibe noho ny zava-drehetra izay mety ho fantatry ny olona na heveriny na lazainy Yaveh. Mety hitaky ny tsy famerimberenanao ny hoe "tsy misy" ny fiteninao. Azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra na matoanteny ny anarana tsy voambara eto. DH: "Tsy misy olona hendry, tsy misy olona mahatakatra na inona na inona, ary tsy misy olona milaza amin'ny hafa ny tokony hatao izay" na "Tsy misy fahendrena, fahazavan-tsaina, na torohevitra izay"
"mandresy an'i Yaveh" na "manohitra izay tian'i Yaveh hatao" na "mampiseho fa marina izy ary diso Yaveh"
Ireo teny ireo dia azo adika hoe DH: "Manomana ny soavaly ho amin'ny andron'ny ady ny miaramila"
Ny teny hoe "andro" dia manondro fotoana izay mety ho lavalava na fohifohy noho ny andro iray. DH: "rehefa misy ady"
1 Aleo misafidy ny laza tsara toy izay be harena ary tsara noho ny volafotsy sy volamena ny sitraka. 2 Ny mpanakarena sy ny mahantra dia samy manana izany—Yaveh no mpahary azy rehetra. 3 Ny olona mailo mahita ny loza ka miafina, fa ny bado kosa mandroso ary mijaly noho izany. 4 Ny valisoan'ny fanetren-tena sy fahatahorana an'i Yaveh dia harena, voninahitra, ary fiainana. 5 Ny tsilo sy ny fandrika no eo amin'ny lalan'ny maditra; fa izay miaro ny ainy dia hanalavitra azy ireo. 6 Ampianaro amin'ny zaza ny lalana tokony alehany ary rehefa lehibe izy dia tsy hiala amin'izany fampianarana izany. 7 Manapaka eo amin'ny ory ny mpanan-karena ary izay mindrana dia ho andevon'izay nampindrana. 8 Izay mamafy ny tsy rariny dia hijinja fahoriana ary halazo ny tsorakazon'ny fahatezerany. 9 Izay manana maso be fiantrana dia hotahina, satria mizara ny mofony amin'ny mahantra izy. 10 Roahy ny mpaniratsira dia ho lasa ny fifandirana; hitsahatra ny ady sy ny fanevatevana. 11 Izay tia fo madio sy izay milaza fahasoavana, dia hanana ny mpanjaka ho namany. 12 Ny mason'i Yaveh dia miambina hatrany ny fahalalana, fa ny tenin'ny mpamadika dia ravainy. 13 Ny olona malaina manao hoe: "Misy liona any an-dalana! Ho faty eny an-kalamanjana aho." 14 Ny vavan'ny vehivavy janga dia lavaka lalina; mihetsika amin'izay rehetra latsaka ao ny fahatezeran'i Yaveh. 15 Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny adalana, saingy ny tsorakazo famaizana hampiala izany. 16 Izay mampahory ny olona mahantra dia mampitombo ny hareny, ary ho tonga amin'ny fahantrana izay manome ny mpanan-karena. 17 Atongilano ny sofinao ary mihainoa ireo tenin'ny hendry ka ampanekeo ny fahalalako ny fonao, 18 satria hahafinaritra anao ireo raha tandremanao ao aminao, raha vonona eo amin'ny molotrao izy rehetra. 19 Ho ao amin'i Yaveh noho izany ny fahatokisanao, mampianatra anao izany aho anio—ianao dia ianao. 20 Moa ve aho tsy efa nanoratra ohabolan'ny fampianarana sy fahalalana teolpolo ho anao, 21 mba hampianarana anao ny marina amin'ireo teny mahatoky ireo, mba hanomezanao valin-teny mahatoky amin'ireo izay naniraka anao? 22 Aza mandroba ny malahelo satria mahantra izy, na manosihosy ny ory eo am-bavahady, 23 fa Yaveh no hisolo vava azy ireo, ary Izy handroba ny ain'ireo izay nandroba azy ireo. 24 Aza misakaiza amin'ny olona izay fehezin'ny fahatezerana ary aza miaraka amin'izay romotra, 25 sao ianao hianatra ny fanaony ary hahazo fandrika ho an'ny fanahinao. 26 Aza mety ho isan'izay maninji-tanana amin'ny fiantohana, na mianto-trosa. 27 Raha tsy manana haloa ianao, inona moa no hahasakana ny olona tsy haka ny fandriana andrianao? 28 Aza manakisaka ny fefy vato fahizay izay efa napetraky ny razanareo. 29 Mahita olona kinga amin'ny asany ve ianao? Hitsangana eo anoloan'ireo mpanjaka izy; tsy hitsangana eo anoloan'ny olona mahazatra izy.
Ireo teny ireo dia azo adika hoe DH": "Ny olona izay misafidy laza tsara fa tsy harena be"
"Heverin'ny hafa fa tsara olona tsara ny olona iray"
"mitovy amin'ny lafiny iray" na "mitovy amin'ity lafiny ity"
"Ny olona izay hendry" na "Ny olona izay manana saina tsara." Jereo ny nandikanao ny hoe "mailo" ao amin'ny 12:15.
"tsy manan-traikefa" na "tsy matotra"
Ny fomba fiainan'ny olona maditra dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe lalana izay hahita fahoriana nohon'ny "tsilo" voajanahary sy "fandrika" namboarin'ny olona.
fandrika hahazoana biby
Io mpamaritra anarana io dia azo adika amin'ny andian-teny misy anarana. DH: "olona maditra"
Ny olona izay manao izay ilainy hatao mba ho ela velona dia resahina toy ny hoe manalavitra ny mpangalatra amin'ny zavatra mivaingana iray izany olona izany. DH: "ny olona izay te ho ela velona"
Ny fomba fiainan'ny olona dia resahina toy ny hoe lalana izay andehanany. DH: "ny fomba tokony hiainany"
Mety ho mila ataonao mazava izay ampindramina na indramina. DH: "mindram-bola ... mindram-bola"
Ny mpanapaka na olona manam-pahefana hafa izay mitondra ny ambany fahefana kokoa amin'ny tsy rariny dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mamboly voa izay hiteraka zava-maniry mitondra fahoriana. DH: "Raha mitondra ireo izay ambany fahefana noho izy amin'ny tsy rariny ny olona iray, dia hahatonga fahoriana ho azy izy ireo ao aoriana ao"
Ny teny hoe "tsorakazo" dia ilazana ny fahefana eo amin'ny olona. Ireo mety ho heviny dia 1) ho very fahefan'ny ny mpanapaka tsy marina izay nananany ka namela azy hitondra ny olona tamin'ny tsy rariny na 2) rehefa mamaly ny tsy rariny nataony amin'ny fanisiana ratsy azy ny olona, dia tsy hanana fahefana hanakana azy ireo izy. DH: "tsy hanana ny fahefana izay nananany ka nampiasainy hanisiana ratsy ny olona intsony izy"
Ny teny hoe "tsorakazo" dia ilazana ny fahefana eo amin'ny olona. Namely ny olona tsy manan-tsiny toy ny hoe tezitra mafy tamin'izy ireo ny tsy marina. DH: "ny tsorakazo izay nampiasainy toy ny hoe nanafay olona" na "ny fahefana nampiasainy hamelezana ny hafa"
Ny teny izay nadika hoe "halazo" dia ampiasaina amin'ny zava-maniry mihamaina ihany koa.
Ireo teny ireo dia azo adika hoe DH: "Hitahy ireo izay manana maso be fiantrana Andriamanitra"
Ny maso dia ilazana ny fahitana izay ilain'ny olona, ary ny "maso be fiantrana" dia vitan'ny mahita fotsiny fa manome izay ilain'ny olona. Ny maso ihany koa dia fibangoan-teny ilazana ilay olona manontolo. DH: "olona be fiantrana" na "oloan vonona ny hanome zavatra ho an'ny olon-kafa"
Satria moa ny mofo ny foto-tsakafon'ny maro tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baibloy, dia ilazana ny sakafo amin'ny ankapobeny io matetika.
Ny teny hoe "ady" sy "fanevatevana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "tsy hifanditra intsony ny olona na hifampilaza zavatra mandratra"
Ny fony ihany no tian'ilay olona ho madio. Ny fo dia fibangoan-teny ilazana ilay olona. DH: "tia manana fo madio" na "te hadio"
"tsara fanahy"
Ny maso dia fibangoan-teny ilazana ny olona. Toy ny hoe manana maso ara-nofo tahaka ny olona no firesaky ny mpanoratra an'i Yaveh. DH: "Yaveh miambina" na "Yaveh no miaro ny fahalalana"
Ny hoe miambina hatrany dia ilazana ny fiarovana. DH: "miaro ny fahalalana"
"potehiny"
Ny mpamaritra anarana dia azo adika amin'ny endrika andian-teny misy anarana. DH: "olona mpamadika." Adikao araka ny ao amin'ny 11:3 ny hoe "mpamadika."
Ny teny izay manaraka eo dia lainga sy fialana ilany mba tsy hiasa. Raha misy fomba manokana ampidiran'ny fiteninao ny fanambarana tsy marina, dia azonao ampiasaina eto izany.
Ny teny hoe "vava" dia ilazana ny teny aloaky ny vava. Ny olona tsy afaka miala amin'ny famaizan'ny olona nohon'ny asa ratsy dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe latsaka tao anaty lavaka nohadian'ny olona teo amin'ny tany izay tsy ahafahany miala. DH: "Ny teny nolazain'ny vehivavy janga no hitarika anao ao, ary ho toy ny hoe latsaka ao anaty lavaka lalina say mampidi-doza ianao" (UDB)
Adikao araka ny ao amin'ny 5:3 io.
Eto ny hoe "mihetsika" dia midika fa nitombo ny fahatezerany. DH: "Tezitra Yaveh"
Ny fijangajanganadia resahina toy ny hoe zavatra izay mety hilatsahan'ny olona. DH: "manota nohon'ny amin'ilay mpijangajanga"
"Feno zavatra adalasala ny fon'ny zaza"
Ny ray aman-dreny mampiasa izay mety ho karazana famaizana rehetra dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mamely ilay zaza amin'ny tsorakazo.
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe olona izay azon'ny olona iray hafa ampiasana tsorakazo mba hampanalavirana azy ny hampiala izany ny fahadalana. DH: "no hampahendry ny zaza"
"miha-manan-karena" na "mahazo vola bebe kokoa"
"manome vola ho an'ny mpanan-karena"
Fomba fiteny io. DH: "ho lasa mahantra"
Ny andininy faha 17 no fampidirana ho amin'ny ampahany vaovao amin'ny Bokin'ny Ohabolana.
Eto ny teny hoe "sofina" dia maneho ilay olona mihaino. Ny fihainoana tsara ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mitongilana manakaiky mba hanakaiky ilay olona miteny ny sofina. Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "atongilano ny sofinao" ao amin'ny 4:20. DH: "Tandremo ary henoy" na "Henoy tsara"
"izay lazain'ny olon-kendry"
Fomba fiteny io. DH: "ataovy izay tsara indrindra avy aminao mba hahatakatra sy hahatsiaro"
Mety ho ilay ray tao amin'ny 1:7 ihany ny olona miteny eto. Mety ho "ny fahalalako" no ilazany "ny tenin'ny hendry." DH: "ny fahalalana ananako, izay zaraiko aminao" na "izay fantatro"
Ny olona vonona ny hiteny dia resahina toy ny hoe ilay teny no vonona. DH: "vonona ny hilaza izany amin'ny fotoana rehetra ianao"
anio. Eny, mampianatra anao aho," Manamafy ilay miteny fa ilay mpihaino, fa tsy olon-kafa no ampianariny, ary mampianatra ilay mpihaino izy satria mila mianatra ilay mpihaino. Raha hafahafa amin'ny fiteninao ny manisy fanindriana amin'io fomba io, dia azonao tsindriana amin'ny fomba hafa izany na azo tsy adika ny teny hoe "ianao dia ianao."
Manohy ary mamarana ny fampidirana izay niantomboka tao ami'ny 22:17 ireto andininy ireto.
Ity fanontaniana fampisainana ity dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Mila fantarinao fa nanoratra ... anao."
Ny dikan-teny sasany dia mivaky toy izao: "fahalalana tapitr'ohatra."
Ny hevitra ambadik'izany dia efa na ho alefan'ny hafa mba hahazo ary hitondra fampahafantarana miverina ilay mpihaino.
Ireto andininy ireto no manomboka ireo "ohabolana telopolo"
Raha manana fomba hampisehoana ny fomba hitenenan'ny olona mafy ny hafa ny fiteninao, izay samihafa amin'ny fitsipika amin'ny ankapobeny izay tokony ho ankatoavin'ny olona, dia tokony ampiasainao eto izany.
Ity mpamaritra anarana ity dia azo adika amin'ny andian-teny misy anarana. DH: "izay olona malahelo rehetra" na "olona malahelo"
manorotoro ho vovoka. Sarinteny ilazana ny "fitondrana amin'ny tsy rariny" io.
Ity mpamaritra anarana ity dia azo adika amin'ny andian-teny misy anarana. DH: "ny olona ory" na "ny olona rehetra izay tsy manana izay ilainy mba hivelomana"
Ny toerana izay nividianan'ny olona sy nivarotany zavatra ary nandaminany ny ady amin'ny fitsarana dia ampiasaina ho sarinteny ilazana ny raharaha sy ny fanao araka ny fitsarana. DH: "eo amin'ny fitsarana"
Ity dia sarinteny momba ny mpisolovava iray izay miaro ny ory eo anatrehan'ny mpitsara. DH: "Yaveh no hiaro ny ory amin'ireo izay mampahory azy" na "Ho hitan'i Yaveh fa hahazo rariny ny ory"
Tsy mpangalatra akory Yaveh, fa tahaka ny mpangalatra dia haka ny ain'ireo izay tsy misafidy izany Izy. DH: "ho potehiny ireo izay mampahory ny olo-mahantra"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
ny olona izay tsy mahafehy ny fahatezerany
maneho hatezerana miharo herisetra
Ny olona izay te ho tahaka ny olona tezitra dia tahaka ny biby maka ny fanjonoana eo amin'ny fandrika. "ho tahaka ny biby izay mihinana ny fanjonoana izay mampikatona ny fandrika ianao ary tsy ho afa-miala"
Ny fanahy dia ilazana ny ain'ny olona. DH: "fanjonoana izay napetraky ny olona mba hahafahany mamono anao"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Olona izay maninjitra ny tanany amin'ny tanan'ny olona iray hafa mba hamatotra ny tenany hanao izay nekeny ho atao. Eto ilay miteny dia mampitandrina ny mpihaino mba tsy haninji-tanana ho fampanantenana ny handoa ny trosan'olona.
"ka manaiky ny handoa izay trosan'ny olona iray amin'ny hafa"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
efa tena tranainy
vato lehibe izay mampiseho hoe aiza no faran'ny tanin'ny olona iray ary aiza no manomboka ny an'ny iray hafa
razambenareo
Amin'ny tena izy dia didy io fanontaniana fampisainana io. DH: "Eritrereto ny olona iray izay havanana amin'ny asany"
manompo, tonga mpanompo. Tena hanambony azy tokoa ireo mpanjaka sy olona ambony hafa ka hampiasa ny fanampiany.
1 Rehefa mipetraka hihinana miaraka amin'ny mpanapaka ianao, dia diniho tsara izay eo anoloanao, 2 ary ambano antsy ny tendanao raha olona tia mihinan-kanina be loatra ianao. 3 Aza maniry loatra ny hanim-piny, fa haninin'ny lainga izany. 4 Aza dia miasa mafy loatra hahazoana harena; hendre tsara hahafantaranao ny fotoana hitsaharana. 5 Hamela ny masonao hirehitra amin'izany ve ianao? Ho dify izany, fa ho hari-elatra tahaka ny voromahery tokoa izany ka hanidina eny amin'ny lanitra. 6 Aza mihinana ny hanin'ny olona manao maso ratsy—ary aza maniry ny hanim-piny, 7 fa karazan'olona manisa ny vidin-kanina izy. "Mihinàna ary misotroa!" hoy izy aminao, kanefa tsy aminao ny fony. 8 Haloanao izay kely nohaninao ary ho very foana ny teny fandokanao. 9 Aza miteny eo an-tsofin'ny adala, satria hanamavo ny fahendren'ny teninao izy. 10 Aza manakisaka ny fefy vato fahizay na mananika ny sahan'ny kamboty, 11 fa mahery ny Mpanavotra azy ireny ary Izy no hisolo vava azy ireo hanohitra anao. 12 Ampanekeo fampianarana ny fonao ary teny fahalalana ny sofinao. 13 Aza mitsitsy ny fampianarana tsy ho amin'ny zaza, satria raha manafay azy ianao, dia tsy ho faty izy. 14 Ianao no tsy maintsy hikapoka azy amin'ny tsorakazo ka hamonjy ny fanahiny amin'ny Fiainan-tsy hita. 15 Ry zanako, raha hendry ny fonao, dia ho faly ihany koa ny foko; 16 hiravoravo ny any anatiko rehefa milaza izay marina ny molotrao. 17 Aza avela hialona ireo mpanota ny fonao, fa mitoera amin'ny tahotra an'i Yaveh mandrakariva. 18 Misy tokoa ny ho avy ary tsy ho foana ny fanantenanao. 19 Mihainoa—ianao! —ry zanako, ary hendre ka hampizory amin'ny lalana mahitsy ny fonao. 20 Aza minamana amin'ny mamolava, na amin'ny fatra-pihinan-kena, 21 fa ny mamolava sy ny tendan-kanina ary ireo be torimaso dia hahantra ary ny faharendrehana no hampitafy azy amin'ny voro-damba. 22 Henoy ny rainao niteraka anao ary aza manao tsinontsinona ny reninao rehefa antitra izy. 23 Vidio ny marina, fa aza mivarotra izany; mividiana fahendrena, fampianarana, ary fahazavan-tsaina. 24 Hiravoravo tokoa ny rain'ny olo-marina, ary izay miteraka zaza hendry dia ho faly aminy. 25 Aoka ny rainao sy ny reninao ho faly ary aoka hiravoravo izay niteraka anao. 26 Ry zanako, omeo ahy ny fonao ary aoka ny masonao hitandriana ny lalako. 27 Fa ny vehivavy janga dia lavaka lalina, ary fantsakana tery ny vehivavy ratsy fitondran-tena. 28 Miandriandry tahaka ny mpandroba izy ary mampitombo ny isan'ireo mpamadika eo amin'ny zanak'olombelona. 29 Iza no misy ozona? Iza no manana alahelo? Iza no manana ady? Iza no manana fitarainana? Iza no manana fery tsy ahoan-tsy ahoana? Iza no manana maso mivoara-mena? 30 Ireo izay mifikitra amin'ny divay, ireo izay manandrana ny divay mifangaro. 31 Aza mijery ny divay raha mena izany, rehefa manganohano ao amin'ny kapoaka izany ka miraraka tsimoramora. 32 Amin'ny farany izany dia manaikitra toy ny bibilava ary manindrona toy ny menarana. 33 Hahita zavatra hafahafa ny masonao ary ny fonao hamoaka zava-betaveta. 34 Ho tahaka ny olona izay matory eo amin'ny ranomasina manonja ianao na mandry eo an-tampon'ny andrin-tsambo. 35 "Namely ahy ireny," hoy ianao, "fa tsy voa aho. Nikapoka ahy ireny, fa tsy tsapako izany. Rahoviana aho no hifoha? Hitady ho sotroina hafa indray aho."
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Ireo mety ho heviny dia 1) "mitandrema mba tsy hihinana be loatra" na 2) "aza mihinana na inona na inona akory"
"Aza maniry fatratra." Jereo ny nandikanao ny "maniry fatratra" ao amin'ny 21:19.
"sakafo manokana lafo vidy" (UDB)
Fomba fiteny io. "omeny anao izany mba hahafahany mamitaka anao"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
"Aza miasa mafy loatra hany ka rera-dava ianao" UDB
mipetraka eo amin'ny harena tahaka ny vorona (andininy faha 4). Sarinteny ilazana ny fitadiavana harena vetivety foana izany.
Ny olona very harena dia resahina toy ny hoe vorona ilay harena. DH: "hanjavona vetivety tahaka ny fisidinan'ny voromahery ny harena"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Ireo mety ho heviny dia 1) olona kahihitra, olona izay tsy tia manome zavatra ho an'ny hafa, na 2) olon-dratsy (UDB)
"Aza maniry fatratra." Jereo ny nandikanao ny "maniry fatratra" ao amin'ny 21:19.
"sakafo manokana lafo vidy" (UDB). Adikao araka ny ao amin'ny 23:1.
Fomba fiteny io. DH: "tena tsy te hankafy ilay sakafo akory izy"
Filaza masaka io. DH: "Ho naleonao tsy nihinana na inona na inona"
Ny fandokafana dia resahina toy ny hoe zavatra sarobidy. Ny anarana hoe "fandokana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "tsy ho faly izy na dia milaza zavatra tsara momba azy sy ny sakafo aza ianao"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Ny teny hoe "an-tsofina" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "eo amin'izay andrenesan'ny adala anao"
tranainy be. Adikao araka ny ao amin'ny 22:28.
Izany dia vato lehibe izay mampiseho hoe aiza no faran'ny tanin'ny olona iray ary aiza no manomboka ny an'ny iray hafa. Adikao araka ny ao amin'ny 22:28.
Maka moramora na manomboka mampiasa tany (na zavatra hafa) izay an'olon-kafa no hevitr'izany.
ankizy maty ray aman-dreny
Yaveh
Ity dia sarinteny mahakasika ny mpisolo vava izay miarao ny ory eo anatrehan'ny mpitsara. DH: "Izy no hiaro ny kamboty hanohitra anao" na "ho ataony azo antoka fa mahazo rariny ny kamboty ary ho faiziny ianao"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Fomba fiteny io. Adikao araka ny ao amin'ny 22:17 io. DH: "Ataovy izay tsara indrindra avy aminao hahatakarana sy hahatsiarovana"
Ireo mety hoe heviny dia 1) "izay ambaran'ny olona mahalala izay tsara sy ratsy aminao"
Ny teny izay nesorina teto dia azo fenoina. DH: "ary ampanekeo ny sofinao" na "ary mihainoa tsara"
"rehefa milaza aminao izay fantatro aho"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Ny teny hoe "fampianarana" dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "Aza atao tsinontsinona ny fampianarana ny zaza" na "Aza mandà ny hampianatra zaza"
mandà ny hanome zavatra izay ilain'ny hafa
tapa-kazo
"Tsy maintsy kapohinao izy ... ary vonjeo ny fanahiny." Tsy misy hafa hanao izany. Ilay mpihaino no tompon'andraikitra amin'ny famonjena ny fanahin'ilay zaza amin'ny Fiainan-tsy hita, ary ny fomba hamonjena azy dia ny fikapohana azy.
Raha mikapoka ny zanany amin'ny tsorakazo ny mpihaino, dia tsy ho faty tanora izy ireo satria nanao zavatra adaladala na zava-dratsy. Ny teny hoe "fanahy" dia ilazana ilay olona. Ny Fiainan-tsy hita no tontolon'ny maty; ny fandehanana any amin'ny tontolon'ny maty dia fanalefahan-teny ilazana ny fahafatesana. DH: "ary hiaro azy amin'ny tontolon'ny maty ianao" na "ary hiaro azy tsy ho faty ianao"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
"Ny molotrao" dia midika hoe ilay olona manontolo. DH: "rehefa miteny ianao"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Ny teny hoe "fo" dia fibangoan-teny ilazana ilay olona manontolo. DH: "Aza avela hialona ny mpanota ny tenanao" na "Ataovy azo antoka mba tsy hialona ny mpanota ianao"
Io dia azo adika hoe DH: "tsy hamela an'iza na iza hamongotra ny fanantenanao Andriamanitra" na "Hitana ny fampanantenana nataony taminao Andriamanitra"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
"Mihainoa tsara, ry zanako." Milaza teny fanampiny ilay miteny hahazoany antoka fa mihaino tsara ny mpihaino.
Ny fanapahana hevitra hanao ny mety dia resahina toy ny hoe misy olona mapiseho amin'ny hafa ny lalana tsara tokony harahina. DH: "ataovy azo antoka fa manao izay hendry ianao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "olona mihinan-kena mihoatra izay ilainy" na 2) fibangoan-teny ilazana ny "olona izay mihinana sakafo mihoatra izay ilainy" io.
Ny teny hoe "faharendrehana" dia filaza-masaka ilazana ny olona madany fotoana be loatra amin'ny fihinanan-kanina sy fisotroana. Io fihetsika io dia resahina toy ny hoe ray aman-dreny mampitafy zaza. DH: "satria mandany fotoana be loatra amin'ny fihinanana sy fisotroana izy ireo, dia tsy hiasa ka hanjary hahantra"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Io dia azo adika amin'ny endrika tsy misy fandrarana. "manehoa fanajana"
Ny mety ho heviny iray hafa dia "Vidio ny marina, ary aza amidy ny fahendrena, ny fampianarana, na ny fahazavan-tsaina." Ny teny hoe "marina," "fahendrena," "fampianarana," ary "fahazavan-tsaina" dia teny izany resahina toy ny hoe zavatra mivaingana izay azon'ny olona vidiana na amidy eny an-tsena. Azo adika amin'ny matoanteny ireo. DH: "Ataovy izay mila ataonao mba hahafantaranao izay marina, mba hahendry anao, mba hianaranao izay tokony hatao, ary mba hilazanao ny tsara avy amin'ny ratsy; aza mihevitra na inona na inona ho manan-danja noho ireo zavatra ireo"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Ny mety ho heviny hafa dia ny hoe "izay manana zanaka hendry" no manazava hoe iza ilay "rain'ny olo-marina." DH: "Ny rain'ny olo-marina, izay manan-janaka hendry, dia hiravoravo tokoa ary hifaly aminy."
"ho faly nohon'ny aminy"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Ny teny hoe "fo" dia ilazana izay heverin'ny olona sy izay andraisany fanapahan-kevitra hatao. Ireo mety ho heviny dia 1) "mihainoa tsara" na 2) "matokia ahy tanteraka"
Ny maso dia fibangoan-teny ilazana ilay olona manontolo. DH: "diniho" na "jereo tsara"
Misy karazana vehivavy mpijangajanga roa. Ny "vehivavy janga" dia tsy manambady, ny "vadin'olon-kafa" dia manambady. Ny fitambaran'ireo dia manome hevitra ilazana izay mety ho karazam-behivavy ratsy fitondran-tena ara-nofo.
Ny hoe "lavaka" dia sarinteny ilazana izay manjo ny lehilahy izay mandry amin'ny mpivaro-tena. DH: "ny fiaraha-mandry amin'ny mpivaro-tena dia tahaka ny milatsaka anaty lavaka lalina"
Eto io teny io dia manondro izay vehivavy tsy manam-bady rehetra ka miditra amin'ny resaka firaisana ara-nofo, fa tsy ireo izay manao izany mba hahazoana vola fotsiny ihany.
Ireo dia toerana roa izay mora ilatsahana ary sarotra hivoahana, ny "lavaka" dia satria "lalina" izany, ary "fantsakana" satria "tery" izany.
Ny fanaovan-dratsy izay hamaizana ny olona iray dia resahina toy ny filatsahana anaty toerana tery izay tsy ahafahana miala. DH: "Ny fiaraha-mandry amin'ny vadin'olon-kafa dia tahaka ny filatsahana anaty fantsakana tery"
lavaka ao amin'ny tany izay nohadian'ny olona mba hahazoana rano
miafina, vonona ny hamely rehefa misy ho lasibatra manatona
Io mpamaritra anarana io dia azo adika amin'ny mpamari-toetra na matoanteny. DH: "olona mpamadika" na "ireo izay manisy ratsy ny sasany amin'ny famitahana azy ireo"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Ampiasain'ny mpanoratra ireto fanontaniana ireto mba hampiomanana ny mpamaky amin'ny hevitra izay ho lazainy momba ny karazan'olona manokana. Tsy miandry valiny amin'ny fanontaniana tsirairay izy. Mety manana fomba hafa hampidirana lesona ny fiteninao. DH: "Mihainoa ahy rehefa milaza aminao ny karazan'olona manana ozona, alahelo, ady, fitarainana, ratra tsy ahoan-tsy ahoana, ary maso mivoara-mena aho."
"maso mena, tahaka lokon-drà"
Ireo teny ireo no mamaly ny fanontaniana tao amin'ny andininy faha 29 ary mamaritra ireo olona izay misotro divay be loatra.
mandany fotoana be loatra amin'ny fisotroana divay ary misotro divay bebe kokoa
Ireo mety ho heviny dia 1) divay isan-karazany nafangaro na 2) zava-pisotro hafa izay mahery noho ny divay.
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
"Aorian'ny isotroanao izany"
Ny teny hoe "izany" dia manondro ny "divay raha mena." Ny hoe "manaikitra" sy "manindrona" dia sarinteny ilazana ny fahatsapan'ny olona rehefa misotro divay be loatra. DH: "mahatonga anao hahatsapa harary tahaka ny hoe nisy bibilava nanaikitra anao ary nisy menarana nanindrona anao"
karazana bibilava misy poizina
Ny fo dia ilazana ny olona izay sainin'ny olona sy anapahany hevitra hatao. DH: "hisaina izany ianao ary hanapa-kevitra ny hanao zava-betaveta"
Zavatra izay ambaran'Andriamanitra fa tsy mety ara-moraly sady ratsy; zavatra izay feno faharatsiana.
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20). Tohin'ny famaritana ny olona mamo ity.
Ny toerana eo amin'ny andrin-tsambo izay handrian'ny olona dia azo atao mazava. DH: "matory eo amin'ny sobika eo akaikin'ny andrin-tsambo"
ilay tsangatsangana hazo izay hamatorana ny lain'ny sambo am-pandehanana
Satria tsy misaina tsara ilay olona mamo, dia mihevitra izy fa misy olona hafa mamely sy mamono azy, kanefa tsy mahatsapa fanaintainana izy ary tsy mahatsiaro na inona na inona
Manontany tena ilay mamo hoe rahoviana indray no hisava ny toakany; rehefa mitsahatra ny fiantraikan'ny divay.
1 Aza mialona ireo izay ratsy, na maniry ny hiombona amin'izy ireo, 2 satria miteti-dratsy hanao herisetra ny fon'izy ireo ary milaza fahoriana ny molotr'izy ireo. 3 Amin'ny fahendrena no ananganana trano ary amin'ny fahazavan-tsaina no anorenana azy. 4 Amin'ny fahalalana no hamenoana harena sarobidy sy mahafinaritra rehetra ireo efitrano. 5 Mahery ny mpiadin'ny fahendrena, ary ny olon'ny fahalalana dia mampitombo ny heriny; 6 fa amin'ny torolalana hendry no ahafahanao miady ny adinao ary amin'ireo mpanolo-tsaina maro no misy fandresena. 7 Avo loatra ho an'ny adala ny fahendrena; tsy manoka-bava eo am-bavahady izy. 8 Misy olona mitetika hanao ratsy— antsoin'ny olona hoe tompon'ny tetika izy. 9 Ny tetiky ny adala dia fahotana ary ny olona dia manao tsinontsinona ny mpaniratsira. 10 Raha tonga malemin'ny tahotra amin'ny androm-pahoriana ianao, dia kely ny herinao. 11 Avoty ireo izay nalaina hovonoina ary arovy ireo izay mivembena eo amin'ny famonoana. 12 Raha miteny ianao hoe: "Indro, tsy nahalala na inona na inona momba izany izahay", moa ve ilay iray izay mandanja ny fo tsy hahatakatra izay lazainao? Ilay iray izay miambina ny ainao, moa ve izy tsy mahalala izany? Moa ve Andriamanitra tsy manome ny tsirairay avy izay mendrika azy? 13 Ry zanako, mihinàna tantely satria tsara izany, satria mamy ny tantely mitete amin'ny tohon-tantely raha andramana. 14 Tahaka izany ny fahendrena ho an'ny fanahinao—raha hitanao izany, dia hisy hoavy ary tsy ho foana ny fanantenanao. 15 Aza manotrika tahaka ny olona ratsy fanahy izay manafika ny tranon'ny olo-marina. Aza mandrava ny tranony! 16 Fa lavo impito ny olo-marina fa tafarina ihany, fa lavo amin'ny loza ny olona ratsy fanahy. 17 Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao ary aoka tsy ho ravoravo ny fonao raha tafintohina izy, 18 raha tsy izany dia ho hitan'i Yaveh ary tsy ho ankasitrahany ka ho esoriny aminy ny fahatezerany. 19 Aza matahotra noho ireo mpanao ratsy, ary aza mialona ny ratsy fanahy, 20 fa tsy mba manana hoavy ny olona ratsy ary ny jiron'ny ratsy fanahy dia ho faty. 21 Matahora an'i Yaveh, ary matahora ny mpanjaka, ry zanako; aza miombona amin'ireo izay mikomy amin'izy ireo, 22 fa ho tonga tampoka ny loza ho azy ireo ka iza no mahalala hoe hatraiza ny faharavana izay ho tonga amin'izy roa? 23 Ireto ihany koa ireo fitenin'ny hendry. Tsy tsara fiangarana amin'ny fitsaran-draharaha amin'ny lalàna. 24 Na iza na iza miteny amin'ny ratsy fanahy hoe: "Olo-marina ianao", dia ho ozonin'ireo vahoaka ary ho halan'ireo firenena. 25 Nefa ireo izay manafay ny ratsy fanahy dia hahazo sitraka ary ho tonga amin'izy ireo ny fanomezan-tsoa. 26 Ny olona izay mamaly amin-kitsim-po dia manoroka eo amin'ny molotra. 27 Omano ny asanao any ivelany, ary ataovy vonona ho anao any an-tsaha ny zavatra rehetra; aorian'izay, dia amboary ny tranonao. 28 Aza mijoro vavolombelona hanohitra ny mpiara-belona aminao amin'ny tsy antony ary aza mamitaka amin'ny molotrao. 29 Aza miteny hoe: "Ho ataoko aminy izay efa nataony tamiko; ho valiako aminy araka izay efa nataony." 30 Nandalo teny an-tsahan'ny olona kamo aho, niserana tamin'ny tanim-boaloboky ny olona tsy misy saina. 31 Naniry teny rehetra teny ny tsilo; rakotry ny amiana ny tany, ary ireo vaton'ny manda dia rava. 32 Dia nahita aho ka nisaina izany; nijery aho ka nahazo anatra. 33 Haka torimaso kely, faharendrehana kely, toho-tanana kely mba hitsaharana— 34 dia ho avy hanitsaka anao ny fahantrana, ary ireo filànao dia ho tahaka ny miaramila mirongo fiadiana.
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Ny teny hoe "ny fon'izy ireo" dia ilazana ilay olona manontolo. DH: "izy ireo"
Ny teny hoe "ny molotr'izy ireo" dia ilazana ilay olona manontolo. DH: "izy ireo"
"miresaka momba ny fanisiana ratsy" na "miresaka momba ny famoronana olona"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Ny teny hoe "fahendrena" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. Ireo teny ireo dia azo adika hoe DH: "Mila hendry ny olona raha hanangana trano tsara"
Ny teny hoe "fahazavan-tsaina" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. Ireo teny ireo dia azo adika hoe DH: "Mila mahatakatra izay tsara ara-moraly sy izay ratsy ara-moraly ny olona raha hanorina trano"
tsy miozongozona ary mafy. Ny teny hoe "trano" dia ilazana ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, ary ny trano tsy miozongozona sady mafy dia sarinteny ilazana ny fianakaviana izay miaina am-piadanana.
Ny teny hoe "fahalalana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. Ireo teny ireo dia azo adika hoe DH: "Mila mahalala izay sarobidy sy mahafinaritra ny olona raha te hameno ny efitranony"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Ny teny hoe "fahendrena" dia azo adika amin'ny endrika andian-teny misy anarana. DH: "ny mpiady hendry"
Ny teny anarana hoe "fahalalana" sy "hery" dia azo adika amin'ny matoanteny "mahalala" sy ny mpamari-toetra "mahery." DH: "ny olona izay mahalala zavatra maro dia mahery satria fantany ireo zavatra ireo"
Ny teny hoe "torolalana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "raha manana olon-kendry ianao hilaza aminao izay tokony hatao"
ireo izay milaza amin'ny manam-pahefan'ny fanjakana izay tokony hataon'ireo manam-pahefana ireo
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Fomba fiteny io. "sarotra takarina loatra ho an'ny adala"
Ny vava dia ilazana ny teny izay alaoky ny vava. DH: "miteny"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
ireo izay havanana amin'ny fanaovana teti-dratsy. DH: "olona mpisompatra" na "mpanakorontana"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Fomba fiteny io. DH: "kely dia kely ny hery hanananao" na "osa tokoa ianao"
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Ireo teny ireo dia azo adika hoe DH: "ireo izay alain'izy ireo," mety ho izay olona rehetra ny hoe "izy ireo," saingy azo heverina ho ireo manam-pahefan'ny fanjakana koa.
Ny mety hoe heviny iray hafa dia "hitaritarika"
mandeha tsy mahitsy ary efa akaiky hianjera. Mety hamaritra ny fomba fandehan'ny olona rehefa taritarihina ihany koa io teny io.
Ny teny hoe "famonoana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. Toy ny hoe heverin'ireo olona izay mitondra azy ireo ho ambany noho ny biby izy ireo raha ny firesaky ny mpanoratra. Raha manana teny ilazana ny famonoana biby ny fiteninao ka mety eto, dia azonao ampiasaina izany. DH: "izay hamonoan'ny olona azy tahaka ny famonoan'izy ireo biby"
Mamaly zavatra iray izay mety hahadiso hevitra ny olona ny mpanoratra. DH: "Mety hiteny ianao hoe: 'Indro, ...izahay,' saingy moa ve"
"Mihainoa anay! Izahay" na "Fa izahay anie" na "Tsy nanao ratsy izahay, satria"
Raisin'ny mpanoratra toy ny hoe fantatry ny mpamaky ny valiny ka manontany izany ho fanamafisana izy. DH: "fantar'ilay iray izay mandanja ny fo izay lazainao"
Miandry ny mpamaky ny mpanoratra mba hahafantatra fa Yaveh no "ilay iray." DH: "Yaveh, izay"
Eto ny teny hoe "fo" dia ilazana izay eritreretin'ny olona iray sy iriany. Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra mivaingana izay azon'ny olona lanjaina izay eritreretin'ny olona sy iriany, ary ny fandanjana zavatra iray dia sarinteny ilazana ny fijerena zavatra iray akaiky mba hahitana ny hatsarany. DH: "mahalala ny hatsaran'izay tena eritreretin'ny olona sy iriany"
Raisin'ny mpanoratra toy ny hoe fantatry ny mpamaky ny valiny ka manontany izany ho fanamafisana izy. DH: "hain'ilay iray izay miaro ny ainao izany"
Raisin'ny mpanoratra toy ny hoe fantatry ny mpamaky ny valiny ka manontany izany ho fanamafisana izy. DH: "Homen'Andriamanitra ny tsirairay izay mendrika azy."
Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Ireo mety hoe heviny dia 1) DH: "tsy misy hanafoana ny fanantenanao" na 2) io dia fanalefahan-kevitra izay azo adika hoe DH: "hitohy hatrany ny fanantenanao"
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Ny teny hoe "manotrika" dia fomba fiteny. DH: "Aza miafina sady miandry ny fotoana mety." Adikao araka ny ao amin'ny 1:10 ny hoe "manotrika."
ny tranon'ny olo-marina
"tafatsangana amin'ny tongony" na "tafatsangana"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe olona izay afaka manao zavatra ratsy amin'ny hafa ny "loza." Ireo teny ireo dia azo adika hoe DH: "Hampiasa loza handravana ny olona ratsy fanahy Andriamanitra"
Sarinteny momba ny olona izay nitsangana saingy nisy nampianjera teo amin'ny tany ka nahalavo azy io.
fotoana izay hitrangan'ny zavatra ratsy amin'ny olona sy ny fananany
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
"misy zava-dratsy manjo ny fahavalonao"
Didy entitra io. Ny teny hoe "fo" dia ilazana ilay olona. DH: "aza avela hifaly ny tenanao" na "sakatsy tsy hifaly ny tenanao"
Ny teny hoe "esoriny ny fahatezerany" dia fomba fiteny ilazana hoe tsy tezitra intsony. Izay hataon'i Yaveh ho solon'izany dia azo atao mazava. DH: "hitsahatra amin'ny fahatezerany aminy ary ho tezitra aminao kosa"
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
Sarinteny ampiasaina ilazana ny aina ny jiro. Ho tapitra tahaka ny fahafatesan'ny jiro ny ain'ny ratsy fanahy.
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20).
fanajana lalina sy fahagagana amin'ny fahefan'ny olona iray
Mametraka io fanontaniana io ny mpanoratra mba hanamafisana ny loza. DH: "tsy misy mahalala hoe hatraiza ny fandravana avy amin'izy roa"
manondro an'i Yaveh sy ny mpanjaka ireo teny ireo
Manomboka karazan'ohabolana vaovao ity fehezanteny ity.
raharaha izay entina eo anatrehan'ny mpitsara izay hiampangana ny olona iray ho nandika lalàna
Ny teny hoe "firenena" dia ilazana ny olona izay monona ao amin'ilay firenena. Ireo teny ireo dia azo adika hoe DH: "Ny vahoaka dia hanozona izay rehetra milaza amin'ny ratsy fanahy hoe: ..., ary ny vahoakan'ny firenena hafa hankahala azy"
Ireo mety hoe heviny 1) tsy tokony hiantso izay olona ratsy fanahy rehetra hoe olo-marina mihitsy ny olona, na 2) tsy misy tokony hilaza ny amin'ny olona meloky ny heloka iray hoe tsy manan-tsiny. DH: "ny olona meloky ny heloka ... tsy manan-tsiny"
"ho faly tokoa"
Ny fanomezana dia resahina toy ny hoe olona izay afaka mikisaka. Ny teny hoe "fanomezan-tsoa" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "hanome fanomezana tsara ho azy ireo ny olona"
"zavatra tsara" na "fitahiana"
Ny oroka dia mari-panajana sy fanoloran-tena tamin'ny kolontsaina tamin'izany. DH: "maneho fisakaizana marina"
Ny molotra dia ilazana ny teny izay lazain'ny olona iray. DH: "amin'izay lazainao"
Fomba fiteny io. "ho valiako faty izy"
zava-maniry misy tahony maranitra izay tsy misy ilàna azy
zava-maniry izay rakotra ravina sy volombolony manindrona
"nirodana"
"nandray lesona"
Mety ilainao ny mameno ny teny banga. DH: "Mety hilaza amin'ny tenanao ianao hoe: 'Torimaso kely ... mba hialana sasatra'—saingy avy eo dia tonga ny fahantrana"
Ny dikan-teny sasany dia manao hoe : "tonka tahaka ny mpangalatra ny fahantrana." Ny fahantrana dia resahina toy ny hoe olona na biby izay afaka mamely ny olona kamo.
Ny filàna dia resahina toy ny hoe olona izay afaka mamely ny olona kamo. DH: "ho avy aminao tahaka ny miaramila mirongo fiadiana ny filànao"
1 Ireto dia mbola ohabolan'i Solomona ihany, izay nadikan'i lehilahin'i Hezekia, mpanjakan'i Joda. 2 Voninahitr'Andriamanitra ny manafin-javatra, fa ny mitady izany no voninahitry ny mpanjaka. 3 Tahaka ny maha-an'ny avo ny lanitra sy ny maha-an'ny lalina ny tany, no maha-tsy takatry ny saina ny fon'ireo mpanjaka. 4 Esory amin'ny volafotsy ny taim-bolafotsy ka afaka hampiasa ny volafotsy amin'ny asa tanany ny mpanao asa amin'ny vy. 5 Dia tahaka izany koa, esory eo amin'ny fanatrehan'ny mpanjaka ny olona ratsy fanahy dia ho apetraka amin'ny fanaovana izay marina ny seza fiandrianany. 6 Aza manome voninahitra ny tenanao eo amin'ny fanatrehan'ny mpanjaka ary aza mitsangana amin'ny toerana voatendry ho an'ny olona ambony. 7 Tsara kokoa raha miteny aminao izy hoe: "Miakara ety," noho ny hanalany baraka anao eo anatrehan'ny olo-manan-kaja iray. 8 Aza entina faingana any amin'ny fitsarana, izay natrehan'ny masonao. Satria inona no ataonao rehefa manao izay ahamenatra anao ny mpiray monina aminao amin'ny farany? 9 Hiadio hevitra eo aminao sy ny mpiray monina aminao ihany ny raharahanao ary aza mamoaka ny tsiambaratelon'ny hafa, 10 raha tsy izany dia hitondra fahamenarana aminao sy tatitra ratsy momba anao ilay naheno anao ka tsy ho laitra ampanginina. 11 Ny paoma volamena eo amin'ny fitoerana volafotsy dia teny nolazaina tamin' ny fotoana mety. 12 Ny peratra volamena na firavaka natao tamin'ny volamena tsara indrindra dia anatra hendry ho an'ny sofina mihaino. 13 Ny iraka mahatoky dia tahaka ny hatsiaky ny oram-panala amin'ny fotoam-pijinjana ho an'ireo izay maniraka azy; mampiverina ny ain'ireo tompony izy. 14 Rahona sy ny rivotra tsy misy orana izay mirehareha amin'ny fanomezana izay tsy nomeny. 15 Amim-paharetana no ahafahana mandresy lahatra ny mpanapaka ary ny lela malefaka dia mety hanapaka taolana. 16 Raha mahita tantely ianao, dia izay ampy ihany hohanina— raha tsy izany, dia hampandoa anao, ny fihinanana betsaka loatra izany. 17 Aza ampidirina matetika loatra ao an-tranon'ny namanao ny tongotrao, mety ho leo anao izy ka hankahala anao. 18 Ny olona izay mijoro vavolombelona tsy marina momba ny namany dia tahaka ny langilangy, na sabatra, na zana-tsipîka maranitra ampiasaina amin'ny ady. 19 Ny olona tsy mahatoky izay itokianao amin'ny fotoan'ny fahoriana dia tahaka ny nify ratsy na tongotra mibolisatra. 20 Toy ny olona iray izay manala ny akanjony amin'ny andro mangatsiaka, na toy ny vinaingitra nararaka teo ambonin'ny sirahazo izay mikalo hira ho an'ny fo mavesatra. 21 Raha noana ny fahavalonao, dia omeo sakafo hohanina izy, ary raha mangetaheta izy dia omeo rano ho sotroina, 22 fa hanambatra vain'afo eo amin'ny lohany ianao ary hamaly soa anao i Yaveh. 23 Tahaka ny hitondran'ny rivotra avaratra orana tokoa, dia hamadika ny endrika ho tezitra ny lela izay milaza tsiambaratelo. 24 Tsara kokoa ny mipetraka eo amin'ny zoron'ny tafon-trano noho ny ao amin'ny trano izay hiraisana amin'ny vady mpiady lava. 25 Toy ny rano mangatsiaka ho an'izay mangetaheta, ny vaovao mahafaly avy any amin'ny firenena lavitra. 26 Tahaka ny loharano voahosihosy sy fantsakana rava ny olo-marina mikoy eo anatrehan'ny olona ratsy fanahy. 27 Tsy tsara ny mihinana tantely be loatra; tahaka ny hoe mitady voninahitra miampy voninahitra izany. [1]28 Ny olona tsy manana fahafehezan-tena dia tahaka ny tanàna rava sy tsy misy manda.
"mitana ny zavatra sasany ho tsiambaratelo"
Azo fenoina eto ny teny latsaka. DH: "fa izao no voninahitry"
"mizaha raharaha iray" na "mitady ireo zavatra izay nafenin'Andriamanitra"
Ny fon'ny mpanjaka dia ampitahaina amin'ny haben'ny lanitra sy ny tany. DH: "Tahaka ny tsy fahafahan'iza na iza mandrefy ny hahavon'ny lanitra sy ny halalin'ny tany, dia tahaka izany koa no tsy fahafahan'iza na iza mahatakatra ny fon'ny mpanjaka"
Maneho izay rehetra hitantsika ambonin'ny tany izany, ao anatin'izany ny masoandro, ny volana, ary ny kintana.
ny zavatra eo amin'ny vy izay tsy tian'ny oloa ary esoriny amin'ny fandorana ilay vy
Ny seza fiandrianana dia ilazana ny fahefana hanapaka. Ireo teny ireo dia azo adika hoe DH: "hametraka ny seza fiandrianany amin'ny fanaovana... ny mpanjaka" na "hanana ny fahefana hanapaka izay satria manao"
Eto ny hoe "miakara" dia midika hoe mifindra eo amin'ny toerana eo amin'ny latabatra izay akaikin'ny mpanjaka. DH: "Tsara ny hanasan'ny olona anao hipetraka akaikin'ny mpanajaka"
Ity fanontaniana ity dia apetraka mba hampisaina ny olona ny amin'ny mety ho tsy nahazoan'izy ireo tsara ny toe-javatra. Ny fomba mety hanalana baraka ilay namana dia azo ambara mazava. DH: "Fa tsy ho hainao izay hatao amin'ny farany rehefa manala baraka anao ny namanao." na "Fa raha manana fanazavana ny namanao, dia hanala baraka anao izy, ary tsy hanan-ko lazaina hiarovan-tena ianao."
"ny adinao"
"aza mizara ny tsiambaratelon'ny namanao amin'ny olon-kafa"
Eto ny "tatitra ratsy" dia entina ilazana ny zavatra mampidi-doza izay ho lazain'ilay olona amin'ny hafa. Ny andian-teny hoe "tsy ho laitra ampanginina" dia azo atao hoe DH: "ary tsy ho afaka ny hisakana azy tsy hilaza zavatra mampidi-doza momba anao amin'ny hafa ianao" na "ary hilaza zava-dratsy momba anao amin'ny olona izy ary tsy mba hanana laza tsara intsony ianao"
Ny fahatsaran'ny "teny nolazaina tamin' ny fotoana mety" dia resahina toy ny hatsarana mivantan'ny "paoma volamena eo amin'ny fitoerana volafotsy." Ny ankamaroan'ny dikan-teny dia mandika an'io amin'ny endrika fampitahana ary manova ny firafitry ny andian-teny. DH: "Ny teny voalaza amin'ny fotoana mety dia mahafinaritra tahaka ny paoma volamena eo amin'ny fitoerana volafotsy"
Tsy fantatry ny Israelita taloha ireo paoma izay fantatry ny ankamaroan'ny olona ankehitriny. Ireo mety ho heviny dia 1) tokony hadika hoe "ravaka" ny "paoma." DH: "ravaka volamena voasokitra eo amin'ny lovia volafosty" na 2) ny "paoma" dia manondro karazan-boankazo manopy volamena izay napetraky ny olona iray teo amin'ny lovia volafotsy. DH: "Voankazo manopy volamena napetraka teo amin'ny lovia volafotsy"
Io dia azo atao hoe DH: "ny hafatra izay lazain'ny olona"
Ny lanja sy ny mahazava-dehibe ny "anatra hendry" dia resahina toy ny hoe manana ny hatsarana sy ny hasarobidin'ny volamena. Ny ankamaroan'ny dikan-teny dia mandika ity sarinteny ity amin'ny endrika fampitahana mivantana ary manova ny firafitry ny andian-teny. DH: "ny fananarana hendry ho an'ny sofina izay mihaino dia mahafinaritra sy sarobidy tahaka ny peratra volamena na firavaka volamena"
Ny sofina dia fibangoan-teny ilazana ilay olona manontolo. DH: "ny olona vonon-kihaino"
Eto ny iraka mahatoky dia ampitahaina amin'ny hatsiaky ny oram-panala, satria samy mahafinaritra ireo.
Eny an-tampon-tendrombohitra ihany no milatsaka ny oram-panala, ary ny fijinjana dia miseho amin'ny toetr'andro mafana, noho izany dia mety ho sarinteny ilazana ny rano mangatsiatsiaka, mamelombelona avy amin'ny rian-drano madio. Raha tsy misy teny ilazana ny oram-panala ny fiteninao, dia hevero ny hoe "mangatsiatsiaka, mamelombelona, rano madio."
vongan-drano mandry milatsaka avy any an-danitra tahaka ny orana
Midika izany fa mahatonga ny tompony, izay osa sy reraka, hatanjaka sy hitsahatra indray izy.
Ny ankamaroan'ny dikan-teny dia mandika ity sarinteny ity amin'ny endrika fampitahana mivantana ary manova ny firafitry ny andian-teny. Zava-dehibe ho an'ny Israelita ny orana satria kely tamin'izany ihany no nilatsaka, koa ny rahona tsy misy orana dia tsy nisy nilàna azy ary nitondra fahadisoam-panantenana ho an'ireo Israelita. DH: "Izay mizahozaho ... tsy manome dia tahaka ny rahona sy rivotra tsy misy orana" na "Izay mizahozaho ... tsy manome dia tsy misy ilàna azy ary fahadisoam-panantenana, tahaka ny rahona sy rivotra tsy misy orana"
Ireo teny ireo dia azo adika hoe DH: "Ny olona manam-paharetana dia afaka mandresy lahatra ny mpanapaka" na "Ny olona izay afaka miteny amin'ny mpanapaka ary manova ny heviny"
Ny teny hoe "lela" dia ilazana ny teny izay lazain'ny olona amin'ny fampiasana ny lela. Ny teny hoe "taolana" dia sarinteny ilazana ny fanoherana mafy. DH: "ny teny malefaka dia afaka mandresy ny fanoherana mafy"
Ny andininy faha 16 dia manambara foto-pampianarana amin'ny ankapobeny, ary ny andininy faha 17 kosa dia manome ohatra iray mazava. Ny hevitry ny fihinanan-tantely be loatra ary mandoa izany avy eo dia sarinteny ilazana ny fakana zavatra tsara be loatra ary manenina ao aoriana kely.
Ny vavolombelona tsy marina dia ampitahaina amin'ny fitaovam-piadiana telo izy mety handratra na hamono olona.
Ny olona adala dia ampitahaina amin'ny ratsam-batana izay mahatonga olana amin'ny olona iray. DH: "Ny fitokiana amin'ny olona tsy mahatoky amin'ny fotoam-pahoriana dia hitondra fanaintainana tahaka ny nify ratsy na tongotra mibolisatra ho anao"
Karazana mineraly izay mitsifotra ary mandroandroatra mafy rehefa azon'ny asidra tahaka ny vinaigitra io. Dikan-teny maro no mandika izany hoe "ratra."
Mety ho ilainao ny manazava ny karazan-kira izay kaloin'ilay mpihira. DH: "mikalo hira fifaliana"
Ny fo dia fibangoan-teny ilazana ilay olona manontolo. DH: "ny olona malahelo"
Fomba fiteny io. DH: "mahatonga azy hanana fieritreretana meloka ary ho menatra ny amin'izay nataony"
Tany Israely, ny rivotra avy any avaratra matetika dia nitondra orana. Afaka manampy karazan-drivotra izay misy fiantraikany mitovy amin'izany ny mpandika teny, ohatra hoe: "rivotra mangatsiaka"
Ny dikan-teny sasany dia manao hoe "ny olona izay tezitra."
Ny endrika dia ilazana ny olona. DH: "mahatezitra ny olona hafa"
Ny trano tamin'izany andro izany dia nitapelaka ny tafony. Ny Israelita taloha dia nandany fotoana betsaka teny an-tafon-tranony, izay matetika dia nangatsiatsiaka noho ny tao an-trano, ary indraindray ny olona dia nanorina fialofana lehibe ampy hatorian'ny olona teo amin'ny zoron'ny tafo.
vady izay miady na mitaraina matetika
Ny rano mangatsiaka dia ampitahaina amin'ny vaovao mahafaly izay samy mamelombelona sy mahafinaritra.
Misy olona miandry ny loharano mba hisy rano mangatsakatsaka, tahaka ny fiandrasan'ny olona iray ny olo-marina mba hijoro ho an'izay inoany. Ny loharano voaloto dia ampitahaina amin'ny olo-marina izay lavo.
Ny hoe mikoy dia sarinteny ilazana ny 1) fandavana ny hiady amin'ny olona ratsy fanahy na 2) fanatevenan-daharana ny faharatsian'izy ireo. DH: "izay mamela ny ratsy fanahy hanao faharatsiana" na "izay manomboka manao izay ataon'ny olona ratsy fanahy"
Sarinteny ilazana ny tsy fahafahana manohy manao ny tsara io. DH: "tsy afa-mijoro"
Ireo mety ho heviny dia 1) "rehefa mamely azy ny ratsy fanahy" na 2) "rehefa manosika azy hanao ratsy ny olona ratsy fanahy"
Samy tsara ny faniriana ny hafa mba hanaja anao sy ny fihinanan-tantely, saingy tsy afaka mihinana tantely be loatra ianao, ary tsy afaka miezaka mafy ny hahatonga ny olona hanaja anao.
Io dia azo adika hoe DH: "Zava-dratsy ny"
"tahaka ny fieritreretana lalandava ny fomba mety hanajan'ny olona anao izany." Tsy mazava tsara ny hevitry ny fiteny nipoiran'io. Ireo fandikana ny Baiboly sasany dia mandika izany hoe "tahaka ny filazana teny mandoka be loatra amin'ny hafa izany."
Samy malemy sady marefo ny olona tsy misy fahafehezan-tena sy ny tanàna tsy misy manda.
"izay narodan'ny fahavalo ny mandany ary nopotehiny"
1 Tahaka ny oram-panala amin'ny lohataona na ranon' orana amin'ny taom-pijinjana, no tsy maha-mendri-kaja ny adala. 2 Tahaka ny fody maniditsidina sy ny sidintsidina mitelina rehefa manidina izy ireo, no tsy hidinan'ny ozona tsy mendrika. 3 Ny karavasy dia ho an'ny soavaly, ny lamboridy dia ho an'ny ampondra ary ny tsorakazo dia ho an'ny lamosin'ny adala. 4 Aza mamaly ny adala araka ny adalany, raha tsy izany dia ho lasa toa azy ianao. 5 Valio ny adala ary miraisa amin'ny adalany, dia tsy ho hendry eo imasony ihany izy. 6 Na iza na iza mandefa hafatra amin'ny tanan'ny adala dia manapaka ny tongony ihany sady misotro herisetra. 7 Toy ny tongotry ny mararin'ny paralysisa izay miraviravy ny ohabolana ao am-bavan'ny adala. 8 Toy ny mamatotra vato amin'ny antsamotady ny manome voninahitra ny adala. 9 Toy ny tsilo izay milentika ao an-tanan'ny mamo lava ny ohabolana ao am-bavan'ireo adala. 10 Toy ny mpandefa tsipìka izay mandratra ny rehetra manodidina azy ny olona izay manakarama adala na manakarama izay sendra mandalo. 11 Toy ny alika miverina amin'ny loany, dia toy izany koa ny adala izay mamerina ny hadalany. 12 Mahita olona hendry eo imasony ihany ve ianao? Ny adala misy antenaina kokoa noho ny aminy. 13 Ny olona kamo manao hoe: "Misy liona eny an-dalana! Misy liona eny ankalamanjana!" 14 Toy ny varavarana mihodina amin'ny saviliny, dia toy izany koa ny olona kamo eo am-pandriany. 15 Ny olona kamo dia mametraka ny tanany ao an-doviany nefa tsy manana hery hanaingana izany ho ao am-bavany izy. 16 Ny olona kamo dia hendry eo imasony ihany noho ny olona fito miaraka amin'ny fahaiza-manavaka. 17 Tahaka ilay mihazona ny sofin'ny alika ny mpandalo izay tezitra amin'ny fifamaliana tsy azy. 18 Tahaka ny olona mitapy izay manipy zana-tsipìka mirehitra, 19 ny olona izay mamitaka ny mpiara-belona aminy ary manao hoe: "Tsy nivazivazy ve aho?" 20 Nohon'ny tsy fisian'ny kitay, dia maty ny afo; ary any amin'izay tsy misy mpifosa dia mitsahatra ny fifandirana. 21 Toy ny arina mampirehitra ny vain'afo sy ny kitay amin'ny afo, dia toy izany koa ny olona tia ady mandrehitra fifandirana. 22 Ny tenin'ny mpifosa dia toy ny hanina matsiro; midina ao anatin'ny faritry ny vatana ireo. 23 Toy ny ankosotra taim-bolafotsy mandrakotra ny vilany tany ny molotra mirehitra sy ny fo ratsy. 24 Izay mankahala ny hafa dia manarona ny fihetseham-pony amin'ny molony ary mandrakitra fitaka ao anatiny ihany. 25 Hiresaka amim-pahasoavana izy, saingy aza mino azy, satria misy fahavetavetana fito ao am-pony. 26 Na dia voasarona fitaka aza ny fankahalany, dia haharihary eo amin'ny fiangonana ny faharatsiany. 27 Izay rehetra mihady lavaka no hianjera ao amin'izany ary ny vato dia hikodia eo amin'izay nanosika izany. 28 Ny lela mandainga dia mankahala ny olona izay torotoroin'izany ary ny molotra mandoka mitondra faharavana.
Amin'ny tena izy dia tsy milatsaka amin'ny lohataona ny rano mandry ary ny orana dia tsy milatsaka amin'ny taom-pijinjana. Azo atao mazava tsara io. DH: "Tahaka ny maha tena hafahafa ny fisian'ny ranomandry amin'ny lohataona na ny orana amin'ny taom-pijinjana"
Ny ozona izay tsy mahavoa ny olona dia resahina toy ny hoe vorona izay tsy nipetraka izany. DH: "toy izany no tsy hidinan'ny ozona tsy mendrika amin'ny izay kendreny"
Io dia azo adika hoe DH: "ozona eo amin'ny olona izay tsy mendrika izany"
mipetraka eo amin'ny olona na eo amin'ny zavatra iray
Ny karavasy, ny lamboridy, ary ny tsorakazo dia zavatra ampiasain'ny olona hamapanaovana ny soavaly, ny apondra, na ny adala izay tiany.
Ny lamboridy dia vita amin'ny tady. Apetraky ny olona eo amin'ny lohan'ny ampondra izany ary tazoniny ny iray amin'ireo tady mba hampandeha ilay ampondra amin'izay lalana tiany ampandehanana azy.
Ao amin'ny Baiboly, ny olona dia nikapoka ny zanany na ny andevony tamin'ny tsorakazo mba hamaizana azy ireo.
Ny firaisana amin'ny adalan'ny adala amin'ny famaliana azy dia maneho ny famaliana azy amin'ny fomba adaladala. DH: "Valio araka ny adalany ny adala" na "Valio amin'ny fiadaladalana ny adala"
Ny hoe eo imasony dia maneho ny fahitana, ary ny fahitana dia maneho fihevitra sy fitsarana. DH: "mba tsy hanjary ho hendry araka ny fitsarany ihany izy" na "mba tsy hihevi-tena ho hendry izy"
Eto ny tanana dia maneho ny andraikitry ny adala amin'ny fitondrana hafatra. DH: "Izay rehetra mandefa adala hitondra hafatra"
Ny fanapahana ny tongotry ny olona iray sy ny fisotroana herisetra dia ilazana ny famelezana ny tena. DH: "mameli-tena tahaka ny olona izay manapaka ny tongony ihany sady misotro herisetra"
Ny herisetra dia resahina toy ny hoe rano izay afaka sotroin'ny olona.
Azo averina arafitra ireo andian-teny ireo. DH: "Ny ohabolana eo am-bavan'ny adala dia tahaka ny tongotry ny mararin'ny paralysisa izay miraviravy" na "Ny ohabolana eo am-bavan'ny adala dia tsy misy ilàna azy tahaka ny tongotry ny mararin'ny paralysisa izay miraviravy"
olona izay tsy afa-mihetsika na mahatsapa ny ratsam-batany manontolo
"amin'ny tenin'ny adala" na "izay lazain'ny adala"
Mba hanipazana vato lavitra dia lavitra dia apetraky ny olona ao anaty antsamotady izany ary ahodikodiny mba hisidina avy amin'izany haingana dia haingana ilay vato. Ny vokatry ny famatorana vato eo amin'ny antsamotady dia azo ambara mazava. DH: "mamatotra vato eo amin'ny antsamotady mba tsy ho azo atsipy izany"
"fanajana ny adala"
Azo ambara mazava ny fitovian'ireo roa ireo. DH: "Ny ohabolana eo am-bavan'ny adala dia mampidi-doza tahaka ny tsilo tafiditra amin'ny tanan'ny mamo lava"
Ireo mety hoe heviny dia 1) raha misy olona mamo mitazona tsilo, dia hanindrona ny tanany ny tsilo na 2) raha tezitra ny olona iray, dia handray tsilo ary hanipy izany amin'ny olona. Ho an'ity hevitra faharoa ity, ny teny hoe "tsilo" dia maneho hazo matsilotsilo.
"amin'ny tenin'ny adala" na "izay lazain'ny adala"
"manome asa ny adala"
"Tahaka fihinanan'ny alika ny loany ihany"
Ity fanontaniana ity dia entina hampisainana ny mpamaky ny amin'ny olona izay hendry eo imasony ihany. Ny andian-teny hoe "hendry eo imasony ihany" dia midika hoe "mihevi-tena ho hendry," ary eto ny hevitra ambadik'izany dia tsy tena hendry io olona io. DH: "Hevero ny olona izay mihevi-tena ho hendry kanefa tsy izany"
"Mety ho mora hendry kokoa noho izy ny adala"
Mandainga ny kamo ary milaza fa tsy afaka mivoaka hiasa satria misy liona eny an-dalana sy eny ankalamanjana.
Adikao araka ny ao amin'ny 22:3 io.
Manondro ny toerana eny an-tanàna izay misy toerana be dia be handehanan'ny olona sy hivorian'ny olona izany. DH: "ivaon'ny tanàna'' na "lalana"
singam-by izay mamatotra ny varavarana amin'ny zavatra iray izay mampivoaha sy manidy azy
Samy mihetsika ny varavarana sy ny olona kamo, saingy tsy mandeha na aiza na aiza.
"mametraka ny tanany ao an-dovia mba hahazo hanina" na "manakatra ny hanina"
Mapiseho ny hakamoany lehibe izany. Apetrany eo akaikin'ny lovia fotsiny ny tanany ary tsy hohaniny ilay hanina.
Ny andian-teny hoe "eo imasony ihany" dia maneho ny fiheviny. DH: "Ny olona kamo dia mihevi-tena ho hendry noho ny olona fito izay mahay mamaly amin'ny am-pahendrena"
Azo averina arfitra io. DH: "Ny mpandalo izay zary tezitra amin'ny adin'ny olona sasany dia tahaka ny olona izay misambotra ny sofin'ny alika"
Ny fampahafantarana ambadik'izany dia ho tezitra ilay alika ka hanaikitra ilay olona. DH: "Tahaka ny olona izay mahatezitra ny alika amin'ny fisamborana ny sofiny" na "Tahaka ny olona izay misambotra ny sofin'alika ka lanin'ilay alika"
Ny fampahafantarana ambadik'izany dia hanomboka hifanditra ilay mpandalo, ary ho tezitra aminy ireo olona niady ka handratra azy.
Samy mandratra olona ny mitapy sy ny mpamitaka saingy tsy mandray andraikitra ny amin'izany.
Ampiasain'ny mpamitaka ity fanontaniana ity mba hilazana fa satria ho fiomehezana fotsiny ihany ny vazivaziny, dia tsy tokony homena tsiny ny amin'izay mety hoe fandratrana vitany izy. "Nivazivazy fotsiny aho." na "Aza omena tsiny aho. Nivazivazy fostiny aho."
olona mifosa lava
Ny ataon'ny arina amin'ny vain'afo sy ny ataon'ny kitay amin'ny afo dia azo ambara mazava. DH: "Tahaka ny fanampian'ny arina hampirehitra ny vain'afo ary tahaka ny fanampian'ny kitay hampirehitra ny afo"
Ny fandrehetana fifandirana dia sarinteny ilazana ny fampiadiana na fampifandirana olona. DH: "mampiady olona" na "mampifanditra olona"
Ny fifosana maha-te hihaino dia resahina toy ny hoe sakafo matsiro traha hohanina. DH: "Ny tenin'ny mpifosa dia maha-te hihaino"
Ny tenin'ny mpifosa miditra ao an-tsain'ny olona ka miantraika amin'ny eritreritra dia resahina toy ny hoe sakafo miditra ao anaty kibo. Mitovy amin'ny ao amin'ny 18:7 io fehezanteny io. DH: "ary miditra ao an-tsain'ny olona izany ka miantraika amin'ny eritreriny"
Ity fampitahana ity dia midika fa ny olona izay milaza zavatra mba hanafenana ny ratsy ao am-pony dia tahaka ny vilany tany rakotra ankosotra taim-bolafotsy izay maha-tsara jerena azy. Azo averina arafitra ireo andian-teny ireo. DH: "Ny olona manana lela mirehitra sy fo ratsy dia tahaka ny vilany tany rakotra akosotra taim-bolafotsy"
"ilay taim-bolafotsy mandrakotra ny tavy tanimanga." Ny tavy tanimanga dia sady mora no efa mahazatra. Noho izany dia saronan'ny olona amin'ny akosotra volafotsy izay mba hangirana ka hanana endrika lafo vidy kokoa.
Maneho ny olona izay manana lela mirehitra sy fo ratsy izany. DH: "toy izany ny olona izay manana molotra mirehitra sy fo ratsy" na "toy izany ny olona izay milaza zavatra mahafinaritra kanefa ratsy fo"
Ny teny hoe "mirehitra" dia sarinteny ilazana ny hoe "be fihetseham-po" ary ny teny hoe "molotra" dia ilazana ny "teny." DH: "teny mampihetsi-po" na "milaza zavatra mahafinaritra"
Ny fo dia maneho ny eritreritry ny olona, ny toetrany, ny faniriany, na ny fahatsapany. DH: "eritreri-dratsy" na "fanirian-dratsy"
Ny fanaronana ny fihetseham-po dia ilazana ny tsy fampahafantarana izay fihetseham-pony amin'ny olona. Ny teny hoe "ny molony" dia ilazana izay lazainy. DH: "manafina ny fihetseham-pony amin'izay lazainy" na "miteny amin'ny fomba izay tsy ahafahan'ny olona mahalala ny tena fihetseham-pony"
Ny famitahana dia resahina toy ny hoe manangona fitaka ao anaty. Ny mety ho heviny dia maneho lainga ny "fitaka." DH: "tiany ny laingany isan-karazany" na 2) maneho tetika hanisy ratsy olona ny fitaka. DH: "mitetika mangingina ny hanisy ratsy olona izy"
"aza mino izay lazainy"
Ny isa fito dia maneho ny fahafenoana. Ireo mety ho heviny dia 1) ny "fahavetavetana" dia manehi toetra izay halan'Andriamanitra. DH: "fa feno zavatra feno fankalahalana tanteraka ny fony" na 2) ny "fahavetavetana" dia maneho ny fankahalany ny olona. DH: "fa ny fony dia feno fankahalana tanteraka"
Io dia azo adika hoe DH: "Na dia manarona ny fankahalany aza ny fitaka" na "Na dia saronany amin'ny fitaka aza ny fankahalany"
Ny tsy fampahafantarana ny fankahalany azy ireo dia resahina toy ny hoe manarona ny fankahalany izy. DH: "Na dia mandainga aza izy mba tsy ampahafantarana ny olona ny fankahalany azy ireo" na "Na dia mandainga aza izy mba tsy ahafantaran'ny olona fa halany izy ireo"
Ny fampiharihariana dia ilazana ny hoe tratra na fantatra. DH: "ho zary fantatra eo amin'ny fiangonana ny faharatsiany"
"ny fivondronan'Israely"
Ny hevitra ambadik'izany dia mangady ilay lavaka ho fandrika hilatsahan'ny olona iray ao amin'izany ilay olona. DH: "Izay rehetra mangady lavaka hamandrihana olona no hilatsaka ao amin'izany" na "Raha misy olona mangady lavaka mba hamandrihana olona, dia ilay nandavaka no ho latsaka ao"
Ny hevitra ambadik'izany dia nanosika vato lehibe ilay olona mba hikodia hidina amin'ny havoana ka hahatoro ny olona eo izany. DH: "Raha misy olona manosika vato mba hikodiavan'izany hidina amin'ny havoana ka hahatoro olona, dia hikodia hiverina aminy kosa ilay vato" na "raha misy olona mampikodia vato mba handratra olona, dia hanorotoro azy kosa ilay vato"
Ny andian-teny hoe "ny lela mpandainga" dia maneho ny olona izay milaza lainga. Ny fanorotoroana olona dia maneho fitondrana korontana amin'izy ireo. DH: "Halan'ny mpandainga ireo izay ratrainy amin'ny laingany"
Ny andian-teny hoe "ny molotra mandoka" dia ilazana ny olona izay mandoka olona. Ireo mety ho heviny dia 1) ny olona izay mandoka ny hafa dia miteraka fahoriana na 2) ny olona izay mandoka ny hafa dia mamotika azy ireo
fiderana ny olona iray amin'ny fomba izay tsy marina, na fiderana olona iray momba ny zavatra tsy marina
1 Aza mirehareha amin'ny ampitso, fa tsy fantatrao izay mety ho entin'ny anio. 2 Aoka olon-kafa no handoka anao fa tsy ny vavanao ihany; ny vahiny fa tsy ny molotrao ihany. 3 Saino ny havesatry ny vato sy ny lanjan'ny fasika— ny fihantsian'ny adala dia mavesatra kokoa noho ireo roa ireo. 4 Misy ny habibian'ny havinirana sy ny fandriaky ny hatezerana, fa iza no afaka hijoro eo anoloan'ny hasarotam-piaro? 5 Aleo anatra ampahibemaso toy izay fitia afenina. 6 Mahatoky ny ratra ataon'ny namana, fa ny fahavalo dia mety hanoroka mitafotafo anao. 7 Ny olona izay nihinana mandra-pahavoky dia mandà na dia ny tohon-tantely aza, fa ho an'ny olona noana kosa, dia mamy ny zava-mangidy rehetra. 8 Toy ny vorona izay mirenireny miala amin'ny akaniny ny olona izay maniasia miala amin'ny fonenany. 9 Ny ranomanitra sy emboka manitra dia mampifaly ny fo, fa ny hamamian'ny namana dia tonga avy amin'ny toroheviny amin-kitsim-po. [1]10 Aza mahafoy ny namanao sy ny rain'ny namanao, ary aza mankany amin'ny tranon'ny rahalahinao amin'ny andro-pahavoazanao. Tsara kokoa ny namana izay akaiky noho ny rahalahy izay lavitra. 11 Hendre, ry zanako, dia ampifalio ny foko; dia hamaly an'ilay maneso ahy aho. 12 Ny lehilahy mailo dia mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny olona bado dia mandroso ihany ka mijaly noho izany. 13 Alaivo ny akanjon'izay nanome antoka amin'ny vahiny, ary tano ho antoka izany rehefa manome antoka amin'ny vehivavy ratsy fitondran-tena izy. 14 Na iza na iza manome tso-drano ny namany amin'ny feo avo vao maraim-be, dia raisina ho toy ny ozona izany tso-drano izany! 15 Ny vady mpifanditra dia tahaka ny ora-mikija amin'ny andro fahavaratra; 16 ny mihazona azy dia toy ny mihazona rivotra, na miezaka mamihina diloilo amin'ny tananao ankavanana. 17 Ny vy mandranitra vy; tahaka izany, ny lehilahy mandranitra ny namany. 18 Izay mikarakara ny hazon'aviavy dia hihinana ny voany, ary izay miaro ny tompony dia homen-boninahitra. 19 Tahaka ny taratry ny rano amin'ny endriky ny olona, ny taratry ny fon'ny olona amin'ny olona. 20 Tahaka ny Fiainan-tsy hita sy ny Fandringanana tsy afapo mandrakizay, dia toy izany ny mason'ny olona tsy ho afapo mandrakizay. 21 Ny memy ho an'ny volafotsy ary ny fatana fandrendrehana ho an'ny volamena; dia amin'ny fiderana azy no hitsapana ny olona. 22 Na dia totoinao amin'ny fanoto aza ny adala—miaraka amin'ny vary—dia mbola tsy hiala aminy ihany ny adalany. 23 Ataovy azo antoka fa fantatrao ny toetry ny ondrinao ary saino ny momba ireo biby fiompinao, 24 fa ny harena dia tsy mandrakizay. Maharitra ho an'ny taranaka rehetra ve ny satro-boninahitra? 25 Rehefa miala ny ahitra ary mitsiry ny solofony, dia angonina avy eny amin'ny havoana ny ahitra ho an'ireo ondry aman'osy. 26 Ireo zanak'ondry ireo no hanome ny fitafianao ary ireo osy no hanome ny saran'ny saha. 27 Hisy rononon'osy ho an'ny sakafonao—sakafo ho an'ny tokantranonao— ary sakafo ho an'ny mpanomponao vavy.
Fampitandremana mba tsy hieboebo ny amin'izay andrasanao ho avy rahampitso io. Azo atao mazava tsara io. DH: "Aza milaza am-pireharehana momba ny fikasana ho an'ny rahampitso"
Ny zavatra mitranga amin'ny andro iray dia resahina toy ny hoe ilay andro no hitondra izany tranga izany. DH: "izay hitranga anio" na "izay hitranga rahampitso"
Ireo andian-teny roa ireo manambara ny "vava" sy ny "lela" ho miteny satria rantsan'ny vatana izay ampiasaina hitenenana ireo. DH: "ny tenanao ... ny tenanao"
Azo ampiana avy ao amin'ny andian-teny teo alohan'ity ny teny latsaka eto. DH: "aoka ny vahiny fa tsy ny molotrao ihany no hidera anao"
Ny fahasarotan'ny fiaretana amin'ny adala izay mihantsy anao dia resahina toy ny hoe mavesatra izany fahasarotana izany. DH: "ny fihantsian'ny adala dia sarotra leferina noho ireo" na "sarotra kokoa ny miaritra rehefa mihantsy anao ny adala noho ny miaritra rehefa milanja ireo"
"ny korontana ateraky ny adala." Ny "fihantsiana" dia midika hoe fihetsika na teny izay miteraka hatezerana na fanirikiriana.
Ny anarana hoe "havinirana," "hatezerana" ary "hasatrotam-piaro" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "Ny olona vinitra dia lozabe ary ny olona tezitra dia mandifotra, fa iza no afaka mijoro eo anatrehan'ny olona saro-piaro?"
"fahasiahana"
"ny fandravaravan'ny hatezerana." Ny hatezerana dia resahina toy ny hoe riaka mahery vaika.
Ity fanontaniana ity dia misy hevitra ambadika fa tsy misy afa-mijoro eo anatrehan'ny hasarotam-piaro. DH: "fa tsy misy afaka mijoro eo anatrehan'ny hasarotam-piaro"
Eto ny fijoroana dia ilazana hoe matanjaka sy mahatohitra ny fandratran'ny olona saro-piaro izay mamely. DH: "mahatohitra ny olona saro-piaro" na "mitoetra matanjaka rehefa misy olona saro-piaro mamely azy"
Ny anarana hoe "anatra" dia azo ambara amin'ny matoanteny "anarina." DH: "aleo anarina ampahibemaso"
"toy izay fitia tsy aseho ampahibemaso." Ny anarana hoe "fitia" dia azo adika amin'ny endrika andian-teny misy matoanteny. DH: "toy izay tiavina an-kiafinafina"
"Azo itokiana ny ratra ataon'ny namana." Ny teny hoe "ratra" eto dia ilazana ny fanaintainana sy ny alahelo izay tsapan'ny olona rehefa mibedy na mananatra ny namana.
Ny fahamendreham-pitokisan'ny fibedezan'ny namana dia resahina toy ny hoe ilay alahelo ateraky ny fibedesany no azo itokisana. DH: "Na dia miteraka alahelo aza, dia azo itokisana ny fibedesan'ny namana"
Azo atao mazava tsara fa ny oroky ny fahavalo dia tsy azo atokisana. DH: "fa ny oroky ny fahavalo mitafotafo dia tsy azo itokisana" na "fa mety hitady hamitaka anao amin'ny fanorohana mitafotafo anao ny fahavalo"
"be loatra"
"Ny olona izay afa-po" na "Ny olona izay nihinana izay ampy hahavoky azy"
Ny tohon-tantely dia mampitsiriritra raha ny tena izy, saingy tsy ho an'ny olona izay efa nihinana izay ampy hahavoky azy.
"mamy izay rehetra mangidy tsiro"
Ny teny hoe "mirenireny" sy "maniasia" dia mitovy hevitra eto amin'ity andininy ity.
Ny teny hoe "ranomanitra" eto dia midika menaka na fanosorana mampitsiriritra.
Eto ny "fo" dia maneho ny fahatsapana na ny fihetseham-pon'ny olona iray. DH: "mahatonga ny olona hahatsapa ho faly" na "mampifaly ny olona"
Ireo mety hoe heviny dia 1) maneho ny hatsaram-panahy ny "hamamiana." DH: "fantatra amin'ny toroheviny ny hatsaram-panahin'ny namana" na 2) maneho izay ankasitrahantsika amin'ny olona iray ny "hamamiana." DH: "ny ankasitrahantsika amin'ny namana iray dia ny toroheviny"
Eto ny teny hoe "rahalahy" dia ilazana ny havana amin'ny ankapobeny, toy ny isan'ny foko, fianakaviam-be, vahoaka na vondrona iray ihany.
fahoriana lehibe sy loza
Eto ny "fo" dia maneho ny fahatsapana na fihetseham-pon'ny olona iray. DH: "ampifalifalio aho" na "ampiravoy aho"
Eto ny hoe "hamaly" dia tsy midika ho mamaly fanontaniana akory. Ny dikan'izany dia mamaly ny olona izay maneso. Ny fifandraisan'izany amin'ny fehezan-kevitra teo aloha dia azo atao mazava. DH: "dia hamaly ilay iray izay maneso ahy amin'ny filazana aminy momba anao aho"
Adikao araka ny nandikanao ny adian-teny mitovy amin'io tao amin'ny 22:3 io.
"Olona hendry" na "Olona izay manan-tsaina tsara"
"ny olona tsy manan-traikefa" na " ny olona tsy matotra"
Rehefa mampindram-bola, dia maka zavatra amin'ilay mpindrana ny mpampindrana, tahaka ny akanjo, mba ho antoka amin'ny famerenana. Ho averiny izany aorian'ny hamerenana ilay vola. Raha mahantra loatra ilay mpindrana, dia misy olon-kafa afaka manome zavatra iray amin'ilay mpampindrana ho antoka ho azy. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 20:15. DH: "Makà ankanjo iray ho fiarovana amin'ilay iray izay manome antoka fa ho vaoloa izay nindramin'ny vahiny"
Midika izany fa misy olona manome zavatra amin'ny mpampindrana ho antoka fa ho voaloa izay nindramina. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 20:15. DH: "izay nanome antoka fa ho voaloa izay nindramina" na "izay nampanantena ny handoa ny findramana"
Ny "fitazonana ny zavatra iray ho antoka" dia midika fitazonana zavatra iray izay nomen'ny olona ho antoka, na fampanantenana, fa handoa ny trosa izy. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 20:15. DH: "tazony ny akanjony ho antoka amin'ny famerenana"
"Raha misy mitso-drano ny namany"
Io dia azo atao hoe DH: "dia ho raisin'ilay namana ho ozona izany tso-drano izany"
Mahatonga ny olona ho tezitra amin'ny tsirairay izany na mahatonga tsy fifankahazoana mafy eo amin'ny olona.
DH: "fikijan'ny orana tsy mitsahatra"
"andro manoran-dava"
Ny fampahafantarana ambadik'izany dia sarotra na tsy misy ilàna azy tahaka fiezahana hamihina rivotra na hitanty menaka amin'ny tanana ny fiezahana hihazona azy.
"misakana azy" na "mifehy azy." Ny fampahafantarana ambadik'izany dia ny fiezaraha hampitsahatra azy amin'ny fifandirana. DH: "misakana azy tsy hifanditra"
"misakana ny rivotra" na "mifehy ny rivotra"
Ireto andian-teny roa ireto dia mampitaha ny fahafahan'ny vy sy ny olona hivoatra. DH: "Tahaka ny fandranitan'ny vy ny singam-by hafa, dia toy izany koe ny toetran'olona dia mivoatra amin'ny fifandraisany amin'ny namany"
"miahy"
Io dia azo adika hoe DH: "hanaja ilay iray izay miaro azy ny tompo"
Eto dia eritreritry ny olona no dikan'izany. DH: "izay eritreretin'ny olona"
Anarana izay midika hoe "mpamotika" io. DH: "Ny Mpamotika"
"voky"
Eto ny hoe "mason'ny olona" dia midika hoe fanirian'ny olona izay hitan'ny masony. DH: "ny fanirian'ny olona"
Entina ilazana ny fomba fanefena ny volamena sy ny volafotsy io. Ny vy dia tefena amin'ny alalan'ny famanàna izany amin'ny maripana ambony mba hitsonika ary hiala ny tsy fahadiovana rehetra. Jereo ny fomba nandikanao ny teny tena mitovy amin'io ao amin'ny 17:3. DH: "Ampiasaina hanefena volafotsy ny memy ary ny fatana fandrendrehana ampiasaina hanefena volamena"
fitoeran-javatra ampiasaina hamanàna zavatra amin'ny maripana
fatana izay azo atao mamaivay
Io dia azo adika hoe DH: "rehefa midera olona ny olona iray, dia mitsapa izany olona izany ihany koa izy"
Midika izany fa na dia ampiaretana ady mafy na fanaintainana aza ny adala ( ny voatotototo matetika dia sarinteny ilazana ny fijaliana tamin'ny Hebreo), dia ho adala ihany izy.
zavatra mafy sady dombo loha, ampiasaina hitotoana zavatra anaty lovia jobo
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary ampiasaina ho fanamafisana.
"andian'ondry"
"andian'osy"
Valinteny fanoherana no andrasana amin'ity fanontaniana ity mba hanindriana ny hevitra fa tsy maharitra mandrakizay ny fanjakan'ny mpanapaka ety an-tany. DH: "tsy maharitra ho an'ny taranaka rehetra ny satro-boninahitra"
Eto ny "satro-boninahitra" dia ilazana ny fanapahan'ny mpanjaka eo amin'ny fanjakany. DH: "ny fanapahan'ny mpanjaka"
"mipoitra ny solofo vaovao" na "manomboka mitsiry ny ahitra vaovao"
Ny andininy faha 26 sy 27 dia mifanaraka ho ohabolana iray amin'ny andininy faha 23 ka hatramin'ny 25 .
Ny fampahafantarana ambadik'izany dia hoe azo ampiasaina hanamboarana fitafiana ilay volon'ondry. DH: "Ny volon'ilay ondry no hanome fitafiana anao"
Ny fampahafantarana ambadik'izany dia ho ampy hividianana saha ny vola azo tamin'ny fivarotana ireo osy. DH: "ny fivarotana ny osinao no hanome ny vidin'ny saha"
"ho an'ny fianakavianao manontolo"
Ny fampahafantarana ambadik'izany dia hisy rononon'osy ampy hamahanana ny mpanompo vavy koa eo. DH: "dia hisy rononon'osy hamahanana ny mpanompo vavinao"
"hanina"
1 Mandositra ny ratsy fanahy raha tsy misy olona manenjika azy akory, fa ny olo-marina dia sahy tahaka ny liona tanora. 2 Nohon'ny fandikan-dalàn'ny tany, dia manana mpanapaka maro izy, fa raha miaraka amin'ny olona manana fahazavan-tsaina sy fahalalana, dia haharitra ela izany. 3 Ny olona mahantra izay mampahory olona mahantra hafa dia toy ny orana mivatravatra izay tsy mamela hanina. 4 Ireo izay mahafoy ny lalàna dia midera olona ratsy fanahy, fa ireo izay mitandrina ny lalàna dia hiady amin'izy ireo. 5 Ny olon-dratsy dia tsy mahatakatra ny rariny, fa ireo izay mitady an'i Yaveh no mahatakatra ny zava-drehetra. 6 Tsara kokoa ho an'ny olona mahantra ny mandeha amin'ny fahitsiana, noho ny ho an'ny olona mpanankarena izay meloka amin'ny lalany. 7 Izay mitandrina ny lalàna no zanaka manana fahazavan-tsaina, fa izay naman'ny tendan-kanina mahamenatra ny rainy. 8 Izay mihary ny hareny amin'ny zana-bola be loatra dia manangona ny hareny ho an'ny hafa izay hanam-piantrana amin'ny olona mahantra. 9 Raha misy olona mamily ny sofiny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza maharikoriko. 10 Na iza na iza mamily lalana ny mahitsy amin'ny lalàn-dratsy dia hilatsaka ao amin'ny lavany ihany, fa ny tsy misy tsiny no hanana lova tsara. 11 Ny olona manan-karena dia mety ho hendry eo imasony ihany, fa ny olona mahantra izay manana fahazavan-tsaina no hahita azy. 12 Rehefa misy fandresena ho an'ny olo-marina, dia misy voninahitra lehibe, fa rehefa mitsangana ny ratsy fanahy, dia miafina ny olona. 13 Izay manafina ny fahotany tsy ho ambinina, fa izay miaiky sy mahafoy ireo no hanehoana famindram-po. 14 Ho tahiana izay miaina amin'ny fanehom-panajana mandrakariva, fa izay rehetra manamafy ny fony dia ho tra-pahoriana. 15 Tahaka ny liona mierona na bera miremby ny mpanapaka ratsy fanahy eo amin'ny olona mahantra. 16 Ny mpanapaka tsy ampy fahazavan-tsaina dia mpampahory lozabe, fa izay mankahala ny tsy fahamarinana no hampitombo ny androny. 17 Raha meloka ny olona iray satria nandatsaka ràn'olona, dia ho mpitsoa-ponenana mandra-pahafatiny izy ary tsy hisy olona hamonjy azy. 18 Na iza na iza mandeha amin'ny fahitsiana dia ho arovana, fa ilay iray izay mandeha amin'ny lala-meloka no ho lavo tampoka. 19 Izay miasa ny taniny dia hanana hanina maro, fa na iza na iza manaraka ny zava-poana dia hahazo fahantrana be. 20 Ny olona mahatoky dia hanana fitahiana lehibe, fa izay malaky mahazo harena dia tsy ho afa-maina. 21 Tsy tsara ny maneho fiangarana, fa ho an'ny sombi-mofo no hanaovan'ny olona ny tsy mety. 22 Ny olona kahihitra dia manenjika harena faingana, saingy tsy fantany fa ny fahantrana no ho tonga eo aminy. 23 Na iza na iza mananatra olona, dia hahita sitraka bebe kokoa avy aminy noho ny avy amin'ny ilay iray izay mandoka azy amin'ny lelany aorian'izany. 24 Na iza na iza mandroba ny rainy sy ny reniny ary miteny hoe: "Tsy fahotana izany," dia naman'ilay iray izay manimba izy. 25 Ny olona tsy mahonon-tena manetsika fifandirana, fa izay matoky an'i Yaveh no hambinina. 26 Izay matoky ny fony ihany dia adala, fa na iza na iza mandeha am-pahendrena dia handositra ny loza. 27 Izay manome ny mahantra dia tsy ho ory na inona na inona, fa na iza na iza mihirim-belona amin'izy ireo dia handray ozona be dia be. 28 Rehefa mitsangana ny olona ratsy fanahy, dia miafina ny olona, fa ny olona ratsy fanahy dia ho foana, ary hitombo ny olo-marina.
Ny anarana hoe "fandikan-dalàna" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "Nohon'ny fandikan'ny tany ny lalàna"
Ilazana ny fahotan'ny olona monina ao amin'ny tany iray io. DH: "ny fandikan-dalàn'ny olona ao amin'ny tany iray"
Ny fampahafantarana ambadik'izany dia mpanapaka na mpitarika io olona io. Azo adika amin'ny endrika matoanteny ny anarana hoe "fahazavan-tsaina" sy "fahalalana." DH: "miaraka amin'ny olona izay mahatakatra sy mahalala ny fomba fitondrana"
"mampijaly mafy"
Ny olo-mahantra izay mampahory ny olo-mahantra hafa dia ampitahaina amin'ny orana izay mirotsaka mafy dia mafy hany ka tsy mamela vokatra ho jinjaina.
Sarinteny ilazana ny orana mirotsaka mafy dia mafy izay ampy hahatonga ny vokatra ho voofaoka izany. DH: "orana mamotika"
"mahafoy ny lalàn'Andriamanitra"
Ny "fitandremana ny lalàna" dia midika fanaovana izay takian'ny lalàn'Andriamanitra. DH: "ireo izay mankatoa ny lalàn'Andriamanitra"d
Izany dia midika fanoherana mafy azy ireo.
Eto ny "olona" dia midika hoe ny vahoaka amin'ny ankapobeny. DH: "Ny olona izay manao zava-dratsy"
Ny anarana hoe "rariny" dia azo ambara amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "tsy mahatakatra izay marina"
Ireo izay te hahafantatra an'i Yaveh sy ho ankasitrahany dia resahina toy ny hoe mitady an'i Yaveh ara-bakiteny.
Ny fampahafantarana ambadik'izany dia hoe mahatakatra ny momba ny rariny rehetra ireo izay mitady an'i Yaveh. DH: "mahatakatra tanteraka izay rariny"
"Aleo olo-mahantra ... toy izay olona mpanan-karena"
Maneho ny olona izay miaina fiainana feno fahitsiana izany. Ny anarana hoe "fahitsiana" dia azo ambara amin'ny endrika tambin-teny. DH: "mandeha amin'ny hitsim-po" na "miaina amin'ny fahitsiam-po"
Ny olona manan-karena izay tsy mahitsy fo dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lalana meloka na miolokolaka. DH: "izay tsy mahitsy fo amin'ny ataony"
Ny hoe "mitandrina ny lalàna" dia midika fanaovana izay takian'ny lalàn'Andriamanitra. DH: "Izay mankatoa ny lalàn'Andriamanitra"
Ny anarana hoe "fahazavan-tsaina" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "ny zanaka izay mahatakatra"
"olona misakafo be loatra." Ny "tendan-kanina" dia olona izay mihinana sy misotro tafahoatra.
"manala baraka ny rainy"
"mampitombo ny hareny"
"mampitombo vola amboniny amin' ny fampindramana"
vola aloan'ny mpisambotra nohon'ny fampiasana ny volan'olon-kafa
"manambatra ny hareny"
"ho an'olon-kafa"
fahatsapana alahelo mafy na fangorahana ho an'ny olona iray
Maneho ny fihodinan'ilay olona manontolo sy ny fandavany ny lalàn'Andriamanitra izany. DH: "miala amin'ny fihainoana sy fankatoavana ny lalàna"
"na ny fivavahany aza manafintohina an'Andriamanitra." DH: "Halan'i Yaveh na dia ny fivavahany aza"
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 3:31 io.
Sarinteny ilazana ny fitondrana ny olo-marina mizaotra mankany amin'ny lalan-dratsy io. DH: "Izay rehetra mahatonga ny marina handeha amin'ny lalan-dratsy"
"Ra misy mamily lalana ... lalan-dratsy, dia hilatsaka"
Ilazana ny olo-marina amin'ny ankapobeny io. DH: "olo-marina"
"hilatsaka ao amin'ny fandrika izay nolavahany." Sarinteny ilazana ny fiafarana ao amin'ny toerana ratsy tahaka ny nitarihany ny hafa ihany izany. DH: "hiafara ao amin'ny toerana ratsy izay nitarihany ny hafa ihany"
Ilazana ny olona tsy misy tsiny amin'ny ankpobeny io. DH: "olona tsy misy tsiny"
"handova izay tsara"
Ny teny hoe "eo imasony ihany" dia ilazana ny eritreritra. HD: "hendry any an'eritreriny ihany" na "mihevi-tena ho hendry"
Ny anarana hoe "fahazavan-tsaina" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "izay mahatakatra"
Fomba fiteny izay midika fa ny olona mahantra dia ho afaka ny hamaritra na tena hendry na tsia ny olona-mpanan-karena. DH: "hahita ny tena toetrany"
"Rehefa ambinina ny marina" na "Rehefa mandresy ny marina"
Io dia fomba fiteny izay midika fa hahazo fahefana na hanomboka hanjaka ny ratsy fanahy. DH: "rehefa mitsangana ho amin'ny fahefana ny ratsy fanahy"
Maneho ny olona ratsy fanahy amin'ny ankapobeny io. DH: "olona ratsy fanahy"
"mandeha miafina ny olona." Ny fomba hasetrin'ny olona rehefa mitsangana ny ratsy fanahy dia resahina toy ny hoe miafina amin'ireo fahefana ireo ny olona, na dia tsy tena ho takona aza.
"manarona ny fahotany." Mifanohitra amin'ny fiaikena na fahafoizana ny fahotana, ary manarona ny fahotana fa tsy mampiharihary izany kosa no fomba iresahana azy.
"mahomby" na "mandroso"
Io dia azo atao hoe DH: "Haneho famindram-po amin'izay miaiky sy mahafoy ny fahotany Andriamanitra"
Io dia azo atao hoe DH: "Hitahy izay miaina amin'ny fanehoam-panajana mandrakariva Andriamanitra"
Ny anarana hoe "fanehom-panajana" dia azo atao amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "miaina fiainana feno fanajana"
Ilazana ny fanajana lalina an'i Yaveh sy fanehoana izany haja izany amin'ny fankatoavana azy io.
"izay manamafy ny fony"
Fomba fiteny izay midika hoe maditra na tsy vonona ny hankatoa an'Andriamanitra io. DH: "mandà ny hankatoa an'Andriamanitra"
Ilazana ny fiafarana amin'ny loza sy fahoriana izany. DH: "hiafara amin'ny fahoriana"
Ny olo-mahantra izay tsy afa-manoatra manohitra ny mpanapaka ratsy dia ampitahaina amin'ny olona izay misy liona mierona na bera manafika azy.
Ny bera dia biby lehibe, masiaka, ary mampidi-doza izay mandeha amin'ny tongotra efatra ary misy hoho sy nify maranitra.
Ny anarana hoe "fahazavan-tsaina" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "ny mpanapaka izay mahatakatra"
olona izay mitondra ny olona amin'ny fomba henjana ary manasarotra ny fiainan'izy ireo
Ireo mety hoe heviny dia 1) fomba fiteny izay midika hoe velona mandritra ny fotoana bebe kokoa io. DH: "ela velona" na 2) fomba fiteny izay midika fanitarana ny faharetan'ny fanjakany io. DH: "hanjaka ela kokoa"
Eto ny "rà" dia ilazana ny ain'ny olona. Ny hoe "mandatsa-drà" dia midika famonoana olona. DH: "namono olona"
olona izay nitsoaka mba hialana amin'ny fisamborana
Mandritra ny andro tokom-piainany no dikan'izany. DH: "mandritra ny andro tokom-piainany"
Io dia azo adika hoe DH: "Ho arovan'Andriamanitra izay rehetra mandeha amin'ny fahitsiana"
"Izay rehetra"
Ilazana ny olona miaina fiainana feno fahitsiana izany. Ny anarana hoe "fahitsiana" dia azo atao amin'ny endrika tambinteny. DH: "mandeha amin-kitsim-po" na "miaina amin-kitsim-po"
Ny olona tsy mahitsy fo dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lala-meloka na miolakolaka. DH: "izay tsy miaina amin'ny hitsim-po"
Izay hanjo ny olona tsy mahitsy fo dia resahina toy ny hoe mianjera tampoka izy. DH: "ho rava tampoka" na "ho faty tampoka"
Miasa, mamafy, ary mikarakara ny famokarany no dikan'izany.
"izay rehetra"
"manenjika fikasana tsy misy dikany." Ny olona izay sahirana manao zavatra izay tsy misy vokany akory dia resahina toy ny hoe manenjika zava-poana.
Ny olona manaraka ny fanenjehana zava-poana dia resahina toy ny hoe mahazo ny mifanohitra amin'ny sakafo be dia be. Ny Ny anarana hoe "fahantrana" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "hahantra tokoa"
Ny hoe "tsy ho afa-maina" dia ampiasaina ho fanamafisana. Io dia azo atao hoe DH: "Ho faizin'Andriamanitra tokoa izay malaky mahazo harena"
Ny fampahafantarana ambadik'izany dia hoe mahazo harena amin'ny fomba tsy mahatoky na tsy marina ilay olona. DH: "izay mitady hahazo harena vetivety"
Ny tsolotra kely dia atao endrika filaza-masaka hoe sombi-mofo kely fotsiny. DH: "hanota nohon'ny tombony kely dia kely ny olona iray"
"hanota"
"Ny olona tia tena." Olona izay tsy tia mizara ny fananany na mandany vola.
Ny olona kahihitra dia resahina toy ny hoe manenjika harena. DH: "matin-karena"
Ny vokatry ny fahidiana dia resahina toy ny hoe mahavoa ilay olona kahihitra ny fahantrana. Ny anarana hoe "fahantrana" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "ho tonga mahantra tampoka"
Ny anarana hoe "sitraka" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "hankasitrahan'ny olona noho ny fankasitrahany izy mandoka azy amin'ny lelany ny olona mananatra azy"
"Raha misy olona mananatra"
Ny lela dia ilazana ny firesahana. DH: "mandoka azy amin'ny teniny"
midera olona amin'ny fomba izay tsy marina, na midera olona momba ny zavatra izay tsy marina
"Izay mandroba"
Azo atao amin'ny endrika tsy mivantana io. DH: "ary milaza fa tsy fahotana izany,"
Ny mety hoe heviny dia fomba fiteny izay midika fananana toetra mitovy amin'ny zavatra iray io. DH: "karazan'olona tahaka ny"
olona izay mitady zavatra, vola na hanina mihoatra noho izay ilainy hatrany hatrany, amin'ny fomba feno fitiavan-tena
Ny ataon'ny olona tsy mahonon-tena dia resahina toy ny hoe manetsika na mamoha ady. DH: "mahatonga fifandirana"
Ny fiankinana amin'ny tena ihany dia resahina toy ny hoe matoky ny fo. DH: "Ny olona izay miankina amin'ny tenany ihany"
"izay olona rehetra"
Ireo mety ho heviny dia 1) fomba fiteny izay midika hoe miaina am-pahendrena io. DH: "miaina am-pahendrena" na 2) fomba fiteny izay midika hoe manaraka ny fampianaran'ny olon-kendry io. DH: "manaraka fampianarana hendry"
"Ny olona izay"
Ilazana ny olona mahantra amin'ny ankapobeny io. DH: "olona mahantra"
Natao ho fanamafisan-kevitra io. DH: "hahazo izay rehetra ilainy"
Ireo mety hoe heviny dia 1) handray ozona maro avy amin'ny mahantra izy ireo. DH: "handefa ozona maro amin'izay rehetra mihirim-belona aminy" na 2) handray ozona maro avy amin'ny olona amin'ny ankapobeny izy. DH: "handefa ozona maro amin'izay rehetra mihirim-belona amin'ny mahantra ny olona" na 3) handray ozona maro avy amin'Andriamanitra izy. DH: " handefa ozona maro amin'izay rehetra mihirim-belona amin'ny mahatra Andriamanitra"
"izay rehetra"
Ny hoe mihirim-belona dia ilazana ny hoe tsy miraika amin'izay mahory ny mahantra. DH: "tsy miraika" na "misafidy ny tsy hanampy"
Io dia fomba fiteny izay midika fa hahazo fahefana na hanomboka hanjaka ny ratsy fanahy. DH: "Rehefa mitsangana amin'ny fahefana ny ratsy fanahy"
"mandeha miafina ny olona." Ny asetrin'ny olona rehefa mitsangana ny ratsy fanahy dia resahina toy ny hoe miafina amin'ireo manam-pahefana izy ireo, na dia tsy tena ho takona aza.
Ireo mety ho heviny dia 1) "dify" na 2) "hiongana amin'ny fahefana" na 3) "ringana."
Ireo mety ho heviny dia 1) "hihamaro" na 2) "hitsangana amin'ny fahefana."
1 Ny olona iray izay nandray anatra maro kanefa manamafy ny hatony dia ho rava ao anatin'ny fotoana fohy tsy misy fanasitranana. 2 Rehefa mitombo ny olo-marina, dia mifaly ny olona, fa rehefa ny olona ratsy fanahy no mpanapaka, dia misento ny olona. 3 Na iza na iza tia ny fahendrena dia mahafaly ny rainy, fa izay miaraka amin'ny mpijangajanga dia manimba ny hareny. 4 Mametraka ny tany amin'ny rariny ny mpanjaka, fa izay mangataka tsolotra kosa dia manimba izany. 5 Ny olona izay mandoka ny namany dia mamelatra harato ho an'ny tongony. 6 Ao amin'ny fahotan'ny ratsy fanahy ny fandrika, fa ny olo-marina kosa dia mihira ary mifaly. 7 Ny olo-marina dia mihevitra ny adin'ny olona mahantra; ny olona ratsy fanahy dia tsy mahatakatra fahalalana toy izany. 8 Mampirehitra ny tanàna ny mpaniratsira, fa ireo izay hendry kosa dia mampivily fahatezerana. 9 Rehefa miady hevitra amin'ny adala ny olon-kendry iray, dia romotra izy ary mihomehy, ary tsy hisy fitsaharana. 10 Ny lian-drà dia mankahala izay tsy manan-tsiny ary mifofo ny ain'ny marina. 11 Ny adala dia mampiseho ny hatezerany rehetra, fa ny olon-kendry kosa dia mitàna izany ary mampitony ny tenany. 12 Raha mihaino lainga ny mpanapaka, dia ho ratsy fanahy avokoa ireo manam-pahefany rehetra. 13 Ny olona mahantra sy ny mpampahory dia mitovitovy, fa Yaveh dia manome hazavana ho an'ny mason'izy roa ireo. 14 Raha mitsara ny mahantra amin'ny fahamarinana ny mpanjaka iray, dia hitoetra mandrakizay ny seza fiandrianany. 15 Ny tsorakazo sy ny anatra dia manome fahendrena, fa ny zanaka afaka tamin'ny fitsipika dia mahamenatra ny reniny. 16 Rehefa eo amin'ny fahefana ny olona ratsy fanahy, dia mitombo ny fandikan-dalàna, fa ny olo-marina kosa dia hahita ny fionganan'ny olona ratsy fanahy. 17 Fehezo ny zanakao dia hanome fitsaharana anao izy; hitondra hamamiana amin'ny fiainanao izy. 18 Any amin'izay tsy misy fahitana ara-paminaniana dia mihabiby ny olona, fa tahiana izay mitandrina ny lalàna. 19 Tsy ho voahitsy amin'ny teny ny andevo, fa na dia mahatakatra izy; dia tsy hisy valiny. 20 Jereo anie ny olona izay faingam-piteny? Misy fanantenana bebe kokoa ho an'ny adala noho ny aminy. 21 Izay mampihanta ny andevony hatramin'ny fahatanorany, dia hanana olana any amin'ny faran'izany. 22 Ny olona tezitra manetsika fifandirana ary ny tompon'ny fahavinirana hanao fahotana maro. 23 Ny avonavon'ny olona iray mampihetry azy, fa izay manana fanahy mietry kosa dia homem-boninahitra. 24 Izay mizara amin'ny mpangalatra dia mankahala ny ainy ihany; mandre ny ozona izy fa tsy miteny na inona na inona. 25 Ny tahotra ny olona dia mahatonga fandrika, fa izay matoky an'i Yaveh no ho voaaro. 26 Maro ireo izay mitady ny tavan'ny mpanapaka, kanefa avy amin'i Yaveh ny rariny ho an'ny olona iray. 27 Ny olona tsy marina dia fahavetavetana ho an'ny olo-marina, fa izay mahitsy lalana kosa dia maharikoriko ny olona ratsy fanahy.
"manohitra fananara"
Io dia azo atao hoe DH: "Ho potehin'Andriamanitra tampoka izy"
"ary tsy hisy afaka hanasitrana azy." Ny faharariana dia sarinteny ilazana izay mety ho toe-javatra ratsy rehetra. DH: "ary tsy hisy afaka hanampy azy"
Mamoaka fofonaina ela sady mafy ny olona mba hampisehoana fa reraka sy malahelo. DH: "ho reraka sady malahelo ny olona"
Ny anarana hoe "rariny" dia azo adika amin'ny endrika fehezanteny misy anarana. DH: "amin'ny fanaovana izay rariny" na "amin'mny fanaovana lalàna marina"
toa hoe milaza zavatra tsy marina amin'ny namany mba hanaovan'ilay namana izay tian'ilay miteny hampanaovina azy
Ampitahain'ny mpanoratra amin'ny famelarana fandrika hahazo ilay olona ny fandokafan'ny olona iray. DH: "mametraka fandrika hahavoa izany olona izany"
Rehefa manota ny olon-dratsy iray, dia toy ny hoe mandingana ho ao amin'ny fandrika izy. Maniry ny hanao ratsy amin'ny hafa izy, saingy ho ampiasain'Andriamanitra hamaizana azy ny ataony.
"mandresy lahatra ny olona ao amin'ny tanàna hampiteraka korontana"
mahatonga ny olona tezitra hilamina tsara
Ny mety ho dikany hafa dia "mankany amin'ny fitsarana hanohitra."
Lasa tezitra mafy ilay adala ary mitady hanakana ny olon-kendry tsy hiteny na ny mpitsara tsy hitsara.
Miteny mafy sady mihendratrendratra ary mihozatrozatra amin'ny fihetsika mahery tahaka ny tafiotra mahery vaika.
"tsy ho afaka ny handamina ilay olona izy ireo"
Fomba fiteny izay midika hoe "te hamono" io.
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 17:3 io.
Ny ataon'ny mpanapaka dia resahina amin'ny filazana ny voka-dratsy haterany. DH: "toy ny hoe mampianatra ireo manam-pahefany ho ratsy fanahy izy"
olona izay mampijaly ny olona ary manasarotra ny fiainany
"Mamelona azy roa tonta Yaveh" no dikan'io fomba fiteny io.
Ny seza fiandrianana dia ilazana ny fanjakana izay hanjakany eo amin'ny seza fiandrianany. DH: "ny fanjakany"
Toy ny hoe olona izay afaka manome fahendrena ho fanomezana mivaingana ny tsorakazo sy ny anatra araha ny firesaky ny mpanoratra.
Ny ray aman-dreny tany Israely dia nampiasa tsorakazo mba ho fitaovana hamaizana ny ankizy amin'ny fikapohana azy ireo. DH: "famaizana"
Rehefa manome fananarana olona iray hafa ny olona, na mananatra azy, dia ambarany amin'izany olona izany fa tsy manaiky ny ataon'ilay iray hafa izy.
Ny anarana hoe "fandikan-dalàna" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "ho maro kokoa ny olona handika lalàna ary hiharatsy lavitra ny fahotan'izy ireo"
Ny anarana hoe "fionganana" dia azo adika amin'ny matoanteny "miongana," izay sarinteny ilazana ny fahaverezan'ny fahefana hanjaka. DH: "hiongana ireo ratsy fanahy" na "very ny fahefan'ireo ratsy fanahy hanjaka"
Io dia azo adika hoe DH: "Ho tahian'Andriamanitra izay mitandrina ny lalàna"
Io dia azo adika hoe DH: "Tsy ho afaka ny hanitsy ny andevo amin'ny firesahana aminy fotsiny ianao"
Ampiasain'ny mpanoratra mba hisarihana ny sain'ny mpamaky io fanontaniana io. DH: "Tokony ho tsikaritrao izay manjo ny olona faingam-piteny"
"izay mamela ny andevony tsy hiasa ary mitondra azy tsara kokoa noho ny fitondrany ireo andevony hafa"
"amin'ny fiafaran'ny fahatanoran'ilay andevo" na "rehefa lehibe ilay andevo"
Ireto teny ireto dia fandikana ny teny Hebreo izay tsy misy mahalala loatra ny tena heviny. Ny sasany dia mandray izany toy ny hoe ho osa ilay andevo, ary ny hafa kosa hoe hanapaka ao amin'ilay tokantrano ilay andevo. Na ny iray na ny hafa, dia mila azon'ny mpamaky fa tahaka ny tokony hifehezan'ny olona ny zanany (29: 17), dia tsy maintsy mifehy ny andevony koa izy.
Ny fampiadiana ny olona bebe kokoa dia resahina toy ny hoe manetsika na mamoha fifandirana. DH: "mahatonga ny olona hiady kokoa" na "mahatonga ny olona hifanditra sy hiady." Misy teny mitovy amin'izany miseho ao amin'ny 15:17.
"Olona mora tezitra" no dikan'io fomba fiteny io.
Io dia azo adika hoe DH: "hanome voninahitra ny olona izay manana fanahy mietry ny olona" na "ny olona izay manana fanahy mietry dia hahazo voninahitra avy amin'ny olona" na "Hataon'i Yaveh manome voninahitra ny olona manana fanahy mietry ny olona"
"zary fahavalony ihany"
Ireo mety hoe heviny dia 1) nampanaovin'ny olona voady ilay iray "izay mizara amin'ny mpangalatra" mba hilaza ny marina ny amin'izay fantany momba izay nangalarin'ilay mpangalatra, ary fantany fa ho saziana izy raha milaza ny marina. DH: "tsy sahy mijoro vavolombelona amin'ny voady izy" na 2) tsy hain'ny olona hoe iza ilay mpangalatra fa miantso an'Andriamanitra hanozona azy izy ireo, ary ilay iray "izay mizara" dia matahotra ny hiaiky ary noho izany dia mivoaka miaraka amin'ny ozona satria matahotra an'ilay mpangalatra. DH: "tsy milaza na inona na inona izy na dia nozonin'ny olona aza"
Ny fatahorana izay mety ho ataon'ny olona dia resahina toy ny hoe manitsaka fandrika. DH: "Izany rehetra matahotra izay mety hataon'ny olona hafa aminy dia toy ny olona izay voa ao anaty fandrika"
fandrika izay mahatratra ny biby amin'ny tady
Io dia azo adika hoe DH: "Ho arovan'i Yaveh izay matoky Azy"
Ny teny hoe "tava" dia ilazana ny mpanapaka mihaino ny olona izay milaza aminy izay tiany ho ataony ka manao izany avy eo. DH: "Maro ny olona maniry ny mpanapaka azy ireo mba hihaino azy ireo"
Yaveh, fa tsy olombelona mpanapaka, no hahita fa mitondra ny olona ara-drariny ny olona iray.
olona izay tokony hankahalaina. Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 3:31 io.
1 Ny tenin'i Agora zanak'i Jake—fampitana: nitory tamin'i Itiela io lehilahy io, tamin'i Itiela sy Okala: [1]2 Toy ny biby tokoa aho mihoatra ny olona ary tsy manana ny fahazavan-tsain'ny olombelona aho. 3 Tsy nianatra fahendrena aho, na manana ny fahalalana ilay Iray Masina. 4 Iza no niakatra sy nidina tany an-danitra? Iza no nanangona ny rivotra teny an-tanany? Iza no navoangona ny rano teo amin'ny lambany? Iza no nanorina ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran-janany? Fantatrao tokoa izany! 5 Voazaha toetra avokoa ny tenin'Andriamanitra; ampinga ho an'ireo izay mialoka aminy Izy. 6 Aza manampy amin'ny teniny, sao ho faiziny ianao, ary ho voaporofo fa mpandainga. 7 Zavatra roa no angatahiko aminao, ary aza mihazona ireo mialohan'ny hahafatesako: 8 Alaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga. Aza omena ahy na ny fahantrana na ny harena, fa omeo ahy fotsiny ny hanina izay ilaiko. 9 Fa raha manana be loatra aho, dia mety handà anao ka hiteny hoe: "Iza moa Yaveh?" Na raha tonga mahantra aho, dia mety hangalatra ka handoto ny anaran'ny Andriamanitro. 10 Aza manendrikendrika ny andevo eo anatrehan'ny tompony, sao hanozona anao izy ary ho voatana ho meloka ianao. 11 Misy taranaka manozona ny rainy sady tsy misaotra ny reniny. 12 Misy taranaka madio eo imasony ihany, kinanjo tsy voasasa tamin'ny lotony akory. 13 Misy taranaka manandratra ny masony, ary endrey ny fisandratan'ny hodi-masony! 14 Misy taranaka izay sabatra ny nifiny, ary ny valanoranony tahaka ny antsy, mba handrapahany ny mahantra hiala amin'ny tany ary ny ory tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona. 15 Ny dinta manan-janaka vavy roa: "Omeo, Omeo" hoy ny fihiakiakany. Misy zavatra telo izay tsy mety afapo, efatra izay tsy mba milaza mihitsy hoe: "Ampy izay": 16 dia ny Fiainan-tsy hita; ny kibo momba; ny tany tsy vonton-drano; ary ny afo no tsy mba milaza mihitsy hoe: "Ampy izay!" 17 Ny maso izay maniratsira ny ray sady mandrabiraby ny fankatoavana ny reny, ho tsaingohan'ny goaika any an-tsaha ny mason'izany, ary ho lanin'ny volotoro izy. 18 Misy zavatra telo izay mahagaga loatra ho ahy, eny efatra izay tsy takatro: 19 ny lalan'ny voromahery eny an-danitra; ny lalan'ny bibilava eny amin'ny vatolampy; ny lalan'ny sambo eny afovoan'ny ranomasina; ary ny lalan'ny lehilahy miaraka amin'ny tovovavy. 20 Izao no fomban'ny vehivavy janga: mihinana izy ka mamafa ny vavany ary miteny hoe: "Tsy nanao ratsy aho." 21 Mihovitrovitra eo ambanin'ny zavatra telo ny tany, ary ambanin'ny zavatra efatra no tsy zakany: 22 dia ny andevo raha tonga mpanjaka, ny adala raha voky hanina; 23 ny vehivavy ankahalaina raha ampakarina; ary ny mpanompo vavy raha maka ny toeran'ny tompo vaviny. 24 Zavatra efatra eto an-tany no kely kanefa hendry tokoa: 25 ny vitsika dia voahary tsy matanjaka, kanefa manomana ny sakafony amin'ny fahavaratra izy ireo; 26 ny hyraky ny vato dia tsy voahary mahery, kanefa manao ny fonenany anaty vatolampy. 27 Ny valala dia tsy manana mpanjaka, kanefa mirindra milahatra tsara ny diany. 28 Ary ny amin'ny antsiantsy, dia azonao hazonina amin'ny tananao roa izany, kanefa dia hita any amin'ireo lapan'ny mpanjaka. 29 Misy zavatra telo izay tsara famindra ary efatra izay tsara ny fomba fandehany: 30 ny liona, izay mahery indrindra amin'ireo bibidia— tsy miery amin'ny inona na inona izany; 31 ny akoholahy mpiady; ny osilahy; ary ny mpanjaka izay eo anilany ny miaramilany. 32 Raha adala ianao, nanandra-tena, na raha namisavisa ratsy—dia ataovy eo am-bavanao ny tananao. 33 Ny fanontsankontsanana ny ronono no mahatonga ronono mandry ary toy ny fivoahan-drà amin'ny oron'ny olona raha ahodikodina izany, dia toy izany koa ny asa atao amin-katezerana dia miteraka ady.
Anaran-dehilahy ireo.
Zanak'i Jake ara-bakiteny io, fa tsy zafiny akory.
"tamin'i Itiela—izany hoe, tamin'i Itiela sy Okala"
"Azo antoka fa" na "Tsy misy fisalasalana fa"
Ny anarana hoe "fahazavan-tsaina" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "Tsy mahatakatra na inona na inona araka izay tokony hahatakaran'ny olombelo izany aho"
Ny anarana hoe "fahalalana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "na tena mahafantatra na inona na inona momba ilay Iray Masina"
Mametraka ireo fanontaniana ireo ny mpanoratra mba hampisainana ny mpamaky ny amin'ny fahalebiazan'i Yaveh mihoatra ny olona. DH: "Tsy mbola nisy olona ... an-danitra. Tsy mbola nisy olona ... lambany. Tsy mbola nisy olona ... tany rehetra. na "Iza ... an-danitra? Iza no .. an-tanany? Iza no ... lambany? Iza no ... tany rehetra? Tsy mbola nisy nahavita na inona na inona tamin'ireo mihitsy."
izay itoeran'Andriamanitra
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona samborina ary fihinina ao an-tanany ny rivotra. DH: "nisambotra ny rivotra tao an-tanany"
ny endriky ny tanany rehefa mitanty zavatra io, ohatra hoe rano na fasika.
mampivangongo zavatra maro miparitaka mba hampidongona izany
"nametraka ny fetra izay iafaran'ny tany" na "nametraka ny fetran'ny faran'ny tany"
Ampisain'ny mpanoratra ireo fanontaniana ireo mba handidiana ny mpamaky mba hamaly. HD: "Lazao amiko ny anarany sy ny anaran-janany, raha fantatrao."
Mampiasa eson-teny ny mpanoratra mba hampisehoana fa na izy na ny mpamaky dia tsy mahalala na iza na iza afaka manao izay afaka ataon'ilay hoe "iza" teo amin'ny fanontaniana teo aloha. DH: "Tsy mihevitra aho fa tena mahalala olona afaka manao ireo zavatra ireo ianao.
Ny teny dia resahina toy ny hoe vy izay mila olona hanadao ny singa maloto hiala aminy. DH: "tahaka ny vy sarobidy izay nanesoran'ny olona ny singa tsy misy ilàna azy rehetra"
Ny teny hoe "ampinga" dia sarinteny ilazana ny zavatra izay miaro ny olona iray. DH: "miaro ireo izay tonga ka mangataka Azy mba hiaro azy ireo Izy"
milaza mihoatra izay nolazainy
Io dia azo atao hoe DH: "ho porofoiny fa ianao dia"
Ireo mety hoe heviny dia 1) "Aza avela hiteny zava-poana sy lainga amiko ny olona" na 2) "Aza avela hiteny zava-poana sy lainga aho"
teny diso, tsy misy ilàna azy
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra mivaingana izay azon'ny olona iray omena ny hafa ny "fahantrana" sy "harena"—anarana izay azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "Aza avela hahatra na hanakarem-be aho"
Io dia mamaritra toe-javatra mbola petra-kevitra izay tsy nitranga fa mety hitranga raha lasa mpanan-karena ilay mpanoratra.
Io dia mamaritra toe-javatra mbola petra-kevitra izay tsy nitranga fa mety hitranga raha lasa mahantra ilay mpanoratra.
"Mety hahatonga ireo olona izay mahalala ny fangalarako zavatra hivevitra aho fa tsy misy Andriamanitra" na "Mety hanimba ny lazan'Andriamanitra amin'ny fangalarana aho"
milaza lainga momba ny olona hafa amin'ny aniriana hanisy ratsy azy
"hanozona anao ilay mpanompo"
Io dia azo adika hoe DH: "ho tazonin'ny olona ho meloka ianao"
"taranak'olona izay manozona ... ary tsy misaotra ... taranak'olona izay"
karazana na sokajy na vondrona
Ny andian-teny hoe "eo imasony ihany" dia ilazana ny hevitr'izy ireo. DH: "mino fa madio izy ireo"
Ny teny hoe "voasasa" sy "loto" dia miresaka momba ny famelan'Andriamanitra ny olona izay manota toy ny hoe manasa loto mivaingana hiala amin'ny olona Izy. Io dia azo atao hoe DH: "Tsy navelan'Andriamanitra ny helony"
Tokony hadika amin'ny teny mihaja izay mampiditra ny loa sy ny taim-biby io.
Ireo teny roa ireo dia ilazana ny olona izay mihevi-tena ho tsara kokoa noho ny hafa. Ny masony dia mampiseho fa mirehareha izy ireo, ary ny fomba fijeriny ny hafa dia mampiseho fa mihevi-tena ho tsara noho ireo olona hafa ireo izy.
Ny vahoakan'ny taranaka izay milaza zavatra tena mandratra dia resahina toy ny hoe bibidia misy nify sy vazana vita amin'ny sabatra sy antsy, ary hanin'izy ireo ny mahatra sy ny ory.
ny taolana eo amin'ny tarehy izay hanirian'ny nify
Ohatra maneho ny zavatra izay mitady bebe kokoa hatrany io. DH: "Ny tsy fahononan-tena dia manan-janaka vavy roa"
karazan-kankana izay miraikitra amin'ny hoditra ary mitsentsitra ny rà
Ny mety ho heviny iray hafa dia hoe "ary samy Omeo Aho no anarany."
Ny fampiasana ny isa "telo" sy "efatra" miaraka eto dia fomba fanehoana ny hay kanto. DH: "Misy zavatra efatra izay tsy mety afapo, izay tsy mba milaza mihitsy oe: ''Ampy izay"
Io dia azo adika hoe DH: "mitady mihoatra hatrany"
Ny tany izay tsy mamokatra hanina intsony satria tsy nisy orana dia resahina toy ny hoe olona izay tsy ampy rano ho sotroina.
Ny teny hoe "fankatoavana"—izay anarana azo adika amin'ny endrika matoanteny—dia fibangoan-teny ilazana ilay reny mihitsy. DH: "mihevitra ny reniny hoe tsy misy dikany ary tsy mankatoa azy"
Ambaran'ny mpanoratra amin'ny fanomezana kisarisary roa maneho ny manjo izay olona izay maty lavitra ny fitoeran'ny olona fa ho faty ilay olona.
Io dia azo adika hoe DH: "ny goaika any an-dohasaha dia hitsaingoka ny masony"
vorona lehibe, mamirapiratra izay mihinana zava-maniry sy fatim-biby
Io dia azo adika hoe DH: "hihinana azy ny volotoro"
iray amin'ireo vorom-be maro izay mihinana fatim-biby ary kely loha sady tsy misy volo
Ny fampiasana ny isa "telo" sy "efatra" eto dia fomba fanehoana ny hay kanto. DH: "Misy zavatra maromaro izay mahagaga loatra ho ahy hany ka tsy takatro—ny efatra amin'ireo dia:"
DH: "eny amin'ny fidadasiky ny ranomasina"
Toa sady fanalefahan-teny no sarinteny ilazana ny fijangajangana sy ny fandroana aorian'izany io.
Ny fampiasana ny isa "telo" sy "efatra" eto dia fomba fanehoana ny hay kanto. "Misy zavatra maromaro mampihovitrovitra ny tany, hany ka tsy zakany. Ny efatra amin'ireo dia:"
Io dia azo adika hoe DH: "ny adala izay voky hanina"
Izany hoe, efa nankahala am-pahamarinana azy mialoha ny nanambadiany ny olona; vao manambady izy, dia ho ratsy lavitra noho ny talohan'ny nanambadiany. Io dia azo adika hoe DH: "vehivavy izay halan'ny olo-marina rehefa nanambady" na "vehivavy izay voaroakan'ny fiaraha-monina rehefa manambady"
manapaka ny tokantrano
biby misy sofina kely boribory, tongotra fohy, ary tsy misy rambo
biby mandady amin'ny tany izay misy tongotra efatra, manana vatana lava-mahia, ary misy rambo
Ny fampiasana ny isa "telo" sy "efatra" eto dia fomba fanehoana ny hay kanto. DH: "Misy zavatra maromaro izay tsara famindra. Ny efatra amin'ireo dia:"
maneho voninahitra na mendri-kaja, tahaka ny mpanjaka
akoho lahy izay mamindra amin'ny fomba mianjonanjona
fanetsiketsehana mafy
Rononom-biby izay nahontsankotsan'ny olona ka nataony lasa matavy.
1 Ireo tenin'i Lemoela mpanjaka—anatra nampianarin'ny reniny azy. 2 Inona, ry zanako? Inona izany, ry zanaky ny kiboko? Inona no tadiavinao, ry zanaky ny voadiko? 3 Aza omena ny vehivavy ny herinao, na ny lalanao ho an'ireo izay mamotika ny mpanjaka. 4 Izany dia tsy ho an'ny mpanjaka, ry Lemoela, tsy ho an'ireo mpanjaka ny fisotroana divay, na koa ho an'ny mpanapaka mba hanontany hoe: "Aiza ny zava-pisotro mahery?" 5 Fandrao hadinoin'izy ireo izay efa voadidy, ary hamadika ny marina ho amin'ny fahoriana rehetra. 6 Omeo zava-pisotro mahery ny olona izay efa ho faty ary divay ho an'ireo anaty fahoriana mangidy. 7 Hisotro izy ary hanadino ny fahantrany ary tsy hahatsiaro ny fahoriany izy. 8 Mitenena ho an'ireo izay tsy afaka miteny, ho an'ny adin'izay rehetra efa ho faty. 9 Mitenena mafy ka mitsarà araka ny rariny ary misoloa vava ho an'ny olona mahantra sy ory. 10 Iza no afaka mahita vehivavy mahavita azy? Ny lanjany dia mihoatra lavitra noho ny firavaka. 11 Ny fon'ny vadiny mitoky aminy, ary tsy hahantra mihitsy izy. 12 Manao zava-tsoa ho azy izy ary tsy manao ratsy amin'ny androm-piainany rehetra. 13 Misafidy volon'ondry sy rongony izy, ary miasa an-kafaliana amin'ny tanany. 14 Tahaka ireo sambon'ny mpanao raharaham-barotra izy; avy lavitra no itondrany ny sakafony. 15 Mifoha izy raha mbola alina ary manome hanina ho an'ny ankohonany, ary mizara ny asa ho an'ireo mpanompo vaviny. 16 Izy no mandinika ny saha ary mividy izany, amin'ny vokatry ny tanany no amboleny voaloboka. 17 Mampitafy hery ny tenany izy ary mampatanjaka ny sandriny. 18 Mahafantatra izay mety ho tombony tsara ho azy izy; mandritra ny alina tontolo ny jirony dia tsy maty. 19 Apetrany eo amin'ny ampela ny tanany, ary tazominy ny fihazonam-bohavoha. 20 Manatsotra ny tanany amin'ny olona ory izy; manatsotra ny tanany amin'ny olona mahantra izy. 21 Tsy matahotra oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, satria ny ankohonany rehetra dia mitafy volon'ondry mena. 22 Manamboatra firakotra ho an'ny fandriany izy, ary miakanjo fitafy rongony manify volomparasy. 23 Ny vadiny no fantatra ao amin'ny vavahady, rehefa mipetraka miaraka amin'ny loholon'ny tany izy. 24 Manamboatra akanjo rongony fotsy izy ary mivarotra ireo, ary namatsy samboady ho an'ireo mpivarotra izy. 25 Mitafy ny hery sy ny voninahitra izy, ary mihomehy amin'ny fotoana ho avy izy. 26 Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy ary eo amin'ny lelany ny lalàn'ny hatsaram-panahy. 27 Miambina ny lalan'ny ankohonany izy ary tsy mihinana ny mofon'ny fahalainana. 28 Mitsangana ny zanany ka miantso azy hoe voatahy, ary midera azy ny vadiny, manao hoe: 29 "Maro ny vehivavy efa nanao ny tsara, saingy mihoatra azy rehetra ianao." 30 Fitaka ny fahatsarana, zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra an'i Yaveh, dia ho deraina izy. 31 Omeo azy ny vokatry ny tanany ary aoka ny asany hidera azy eny amin'ny vavahady.
Anarana mpanjaka io.
Ireo mety ho hevitry ny fanontaniana fampisainana hoe "inona" dia 1) "Inona ity ataonao?" na "Tsy tokony hanao izao ataonao izao ianao" na 2) "Inona no ho lazaiko aminao?" na "Henoy izay lazaiko aminao" na 3) "Aza manao ireo zavatra izay ho ampitandremako aminao."
Tian'ny mpanoratra ny mpihaino mba hahatsikaritra tsara ary hanaja izay miteny aminy.
Eto ny kibo dia fibangoan-teny ilazana ilay olona. Tsara ny mampiasa fiteny mihaja ilazana ny momba ny tena izay hitomboan'ny zaza mialohan'ny ahaterahany.
Ny "voady" dia mety ho 1) voadim-panambadian'ilay reny na 2) voady taorian'ny nanambadiany fa raha mamela azy hanan-janaka Andriamanitra dia hatokany ho an'Andriamanitra izany.
"Aza miasa mafy mba hiezahana hiray ara-nofo amin'ny vehivavy," na ivelan'ny fanambadiana na miaraka amin'ny vaditsindrano.
"na mamela ireo izay mamotika ny mpanjaka hanoro hevitra anao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny fomba fiainanao" na 2) "ny asa ataonao"
mety hoe ireo ''vehivavy" ratsy fitondran-tena izay tsy tokony homeny ny heriny
Anaran-dehilahy izany. Adikao araka ny ao amin'ny 31:1 io.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Izay nandidian'Andriamanitra" na 2) "izay nandidian'ny mpanjaka tenany"
"manova" na "mampiolakolaka" na "mandà"
Azo fenoina eto ny teny latsaka. DH: "ary omeo divay"
"izay mangidy am-panahy" na "izay anaty fahoriana"
Ny anarana hoe "fahantrana" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "mahantra toy ny ahoana izy"
Ny anarana hoe "fahoriana" dia azo adika ho fehezanteny. DH: "ny zavatra ratsy izay manjo azy"
Ny fitenenana dia ilazana ny fampiasana teny hiarovana ny olona tsy manan-tsiny. DH: "Arovy ireo izay tsy afaka miaro-tena"
Ny ady dia ilazana ny olona izay tompon'izany ady izay. DH: "mba hitondran'ny olona amin'ny fomba ara-drariny ireo izay efa ho faty"
Azo fenoina eto ny teny latsaka. DH: "mitenena ho an'ny adin'izay" na "mitenena ho an'ny"
Mitovitovy hevitra ihany ireo teny roa ireo ary miara-ampiasaina ho fanamafisan-kevitra. DH: "olona mahantra ary tsy afaka mahazo izay ilainy"
Mametraka fanontaniana ny mpanoratra mba hampisehoana fa manomboka fizarana vaovao izy. DH: "Tsy maro ny lehilahy afaka mahita vady mahay." na "Tsy maro ny lehilahy afaka mahita vady izay mahavita manao zavatra maro"
"Sarobidy noho ny firavaka izy"
Io fanalefahan-kevitra io dia azo atao hoe DH: "ho azony mandrakariva izay ilainy"
volon'ondry izay ampiasaina anamboafrana fitafiana
zava-maniry izay ampiasaina hanaovana lamba ny kofehiny
Ny teny hoe "an-kafaliana" dia mety mamaritra ny 1) fahatsapany eo am-piasana, na 2) ny fahatsapany mahakasika ilay volon'ondry sy ilay rongony: "amin'ny tanany izay eo amin'ny zavatra izay ankafiziny atao"
Olona izy mivarotra sy mividy
"milaza amin'ireo mpanompo vavy izay asa tokony ataon'ny tsirairay avy amin'ny andro iray"
Ny vola izay azony avy amin'ny asa nataony tamin'ilay volon'ondry sy rongony (31:13) dia resahina toy ny hoe vokatra izay maniry amin'ny hazo. Ny tanana dia fibangoan-teny ilazana ny olona. DH: "ny vola izay azony"
Ny fanaovana akanjo dia ilazana ny fiomanana ho amin'ny asa. DH: "Manomana ny tenany ho amin'ny asam-batana mafy izy"
"ary ampatanjahiny amin'ny fiasana ny sandriny"
mahita amin'ny fijerena tsara
Ilazana ny fiasany maharitra amin'ny alina rehefa maizina izany. Filaza-masaka io: tsy miasa alina tontolo, manomboka ny takariva ka hatramin'ny vao mangiran-dratsy akory izy. DH: "Mandrehitra jiro amin'ny alina izy eo am-piasana"
tsorakazo manify na hazo kely misy tendrony maranitra izay ampiasaina hanamboarana tady
Ny tanana dia fibangoan-teny ilazana ny fanampiana atolotr'ilay vehivavy amin'ny fampiasana ny tanany. DH: "manampy ny mahantra"
Ireo teny ireo dia fandikan-teny mitovy amin'ny teny izay nadika hoe "apetrany eo amin'ny ... ny tanany" ao amin'ny 31:18.
Eto ny "volon'ondry mena" dia tsy maneho ny lokon'ilay lamba akory, fa lafo sady mafana ilay karazan-damba. DH: "manana fitafiana lafo vidy sy mafana"
Loko mena, saingy manopy volomboasary kely.
lamba vita amin'ny kofehin-drongony
Ny matoanteny "fantatra" dia sarinteny ilazana ny fanajana. DH: "Manaja ny vadiny ny olona"
manao lalàna ary mandamina ady
lamba vita amin'ny kofehin-drongony
lamba lava izay anaovana manodidina ny valahana na eo amin'ny soroka
Ny anarana hoe "hery" sy "voninahitra" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra sy matoanteny mihitsy. DH: "Hitan'ny olona fa mahery izy, ka dia hajain'izy ireo"
Mety ho filaza-masaka io. DH: "tsy matahotra izay hiseho amin'ny ho avy"
Ny fanokafana ny vavany dia ilazana ny fitenenana. Ny anarana hoe "fahendrena " dia azo adika amin'ny endrika tambinteny na mpamari-toetra. DH: "miteny am-pahendrena izy" na "milaza teny hendry izy"
Ny andian-teny hoe "eo amin'ny lelany" dia ilazana ny fitenenana, satria isan'ny momba ny vava ny lela. Ny andian-teny hoe "ny lalàn'ny hatsaram-panahy" dia ilazana ny fampianarana ny olona ho tsara fanahy. DH: "mampianatra ny olona ho tsara fanahy izy"
Ny teny hoe "lalana" dia ilazana ny fomba fiainan'ny olona. DH: "ataony azo antoka fa miaina amin'ny fomba ankasitrahan'Andriamanitra ny ankohonany"
Ny hoe "mihinana ny mofon'ny" zavatra iray dia midika fanaovana zavatra iray. DH: "tsy malaina izy"
tsy manao na inona na inona sady kamo
Ireo mety ho heviny dia 1) "mitsangana" ara-bakiteny na 2) fibangoan-teny: "am-pahavitrihana"
milaza fa zava-tsoa no nitranga taminy satria nanao zava-tsoa izy. Io dia azo adika amin'ny fehezanteny mivantana. HD: "miarahaba azy" na "manao hoe: 'Hey, Neny!"'
"nahavita mihoatra noho ny"
Ny anarana hoe "fahatsarana" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. "Nety hamitaka olona ny vehivavy tsara" na "Mety ho tena ratsy tokoa ny vehivavy miseho ho manana fomba tsara" Adikao araka ny ao amin'ny 11:15 io.
Ny anarana hoe "hatsaran-tarehy" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "tsy ho manja foana ny vehivavy tsara tarehy"
Io dia azo adika hoe DH: "hidera azy ny olona"
Ny vola izay azony avy amin'ny asa nataony tamin'ilay volon'ondry sy rongony (31:13) dia resahina toy ny hoe vokatra izay maniry amin'ny hazo. Ny tanana dia fibangoan-teny ilazana ny olona. DH: "ny vola izay azony" Adikao araka ny ao amin'ny 3:16.
Ny asany no hiderana azy fa tsy hidera azy. Ireo izay "eny amin'ny vavahady" dia olona ambony eo amin'ny tanàna izay nitantana fandraharana sy raharahan'ny fitsarana teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna. DH: "hidera azy anie ireo olona ambony eo amin'ny tanàna nohon'ny asa vitany"
1 Ireto ny tenin'ilay Mpitoriteny, ilay taranak'i Davida sy mpanjakan'i Jerosalema. 2 Ny Mpitoriteny milaza izao. "Toy ny enton'ny zavona, toy ny tsio-drivotra, ny fanjavonan'ny zavatra rehetra, mamela fanontaniana maro. 3 Inona no tombon-tsoa azon'ny olombelona avy amin'ny asa rehetra izay nisasarany teo ambany masoandro? 4 Ny taranaka iray lasa, ary ny taranaka iray hafa tonga, kanefa ny tany mitoetra mandrakizay. 5 Miposaka ny masoandro, ary milentika izany ary maika hiverina any amin'ny toerana izay hiposahany indray. 6 Mitsoka mianatsimo ny rivotra ary manao faribolana mihodina mankany avaratra, mandeha mihodina amin'ny lalany hatrany ary miverina indray. 7 Ireo ony rehetra mikoriana any an-dranomasina, fa ny ranomasina tsy mba mety feno. Any amin'izay toerana handehanan'ireo ony, no handehanan'izany indray. 8 Lasa mandreraka ny zavatra rehetra, ary tsy misy afaka manazava izany. Ny maso tsy afa-po amin'izay hitany, na ny sofina tanteraka amin'izay reny. 9 Izay rehetra efa teo dia mbola ho eo, ary izay rehetra efa vita no mbola ho atao. Tsy misy zavatra vaovao ety ambany masoandro. 10 Moa ve misy zavatra izay mety ho lazaina hoe: 'Indro, zava-baovao ity'? Izay rehetra misy dia efa nisy hatramin'ny fotoana ela, nandritr'ireo taona izay tonga ela talohantsika. 11 Toa tsy misy hita ho mahatadidy ireo zavatra izay nitranga tamin'ny fotoana fahiny, sy ireo zavatra izay nitranga vao haingana ary ireo izay mbola hitranga amin'ny ho avy dia tsy ho tadidy koa." 12 Izaho ilay Mpitoriteny, ary efa mpanjaka teo amin'Israely tany Jerosalema. 13 Nampiasa ny saiko aho mba hianatra sy hitady am-pahendrena ny zavatra rehetra izay natao teo ambanin'ny lanitra. Izany fitadiavana izany dia asa mavesatra izay nomen'Andriamanitra an'ireo zanak'olombelona mba hisasarana. 14 Efa hitako avokoa ny asa rehetra izay natao teo ambany masoandro, ary indro, izy rehetra ireo dia entona mihavosa sy fikasàna ny hanohitra ny rivotra. 15 Ny meloka dia tsy mety hahitsy! Ny tsy tonga tsy azo isaina! 16 Niteny tamin'ny foko aho nanao hoe: "Indro, izaho dia nahazo fahendrena lehibe noho ireo rehetra izay talohako tany Jerosalema. Ny saiko dia nahita fahendrena sy fahalalana lehibe." 17 Koa nampiasa ny foko aho mba hahalala fahendrena sy fahaverezan-tsaina ary hadalana ihany koa. Tonga aho mba hahatakatra fa fikasàna ny hanohitra ny rivotra ihany koa izany. 18 Fa amin'ny fitobahan'ny fahendrena no mampisy fahoriana be, ary izay mampitombo fahalalana dia mampitombo alahelo.
ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary natambatra ho an'ny fanasongadinana.
"ny olombelona tsy nahazo tombotsoa...teo ambany masoandro."
Ny mpanoratra dia mampiseho ny fizotry ny fiananana ho fahatakarany izany.
Ny mpanoratra dia manohy ny fizotry ny fandinihina
Satria ny lehilahy afaka manaza ireo zavatra ireo, izany dia lasa zava-poana handramana. D.H: ""ny zava-drehetra lasa mandreraka"
Tsy afaka manatsoaka ny fanazavana tsotra ny iray izay mahita. D.H: "Ny olona iray tsy afa-po amin'izay hitany"
Tsy afaka manatsoaka ny fanazavana tsotra ny iray izay mandre. D.H: "Ny olona iray tsy afa-po amin'izay reny"
amin'izany dia tsy misy zava-baovao jeren'ny olona sy ny asany.
D.H: "izay rehetra efa vita ny olona no mbola ho atao amin'ny hoavy"
D.H: "Tsy misy na inona na inona mahakasika izay azon'ny olona lazaina, 'Indro, zava-baovao ity."'
D.H: "tsy hatadidy ireo ireo ny olona"
D.H: "Nanapa-kevitra aho" na "nanamboariko ny saiko"
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary manasongadina ny fahazotoana nianarany.
D.H: "maha olombelona"
D.H: "ny zava-drehetra izay ataon'ny olona"
"zavona" na "fofon'aina". Tsy izany no farany. D.H: "vonjimaika" na "zava-poana". Izay ataon'ny olona dia tahaka ny entona satria tsy misy farany ary dia zava-poana.
Ny mpitoriteny dia milaza ireo zavatra izay ataon'ny olona toy ny fanandramana hisambo-jivotra na hitazon-jivotra avy amin'ny fitsofana.
D.H: "Ny olona tsy mety hahitsin-javatra dia izay meloka! Tsy afaka hanisa izay tsy eo izy ireo!"
D.H: "nanapa-kevitra aho" na "namboariko ny saiko"
Ny teny "fahaverezan-tsaina" sy "fahadalana" dia mizara dika mitovy ary maneho fahalotoan'eritreritra sy fitotadan-tena, tsirairay.
Ny mpitoriteny dia milaza ireo zavatra izay ataon'ny olona toy ny fanandramana hisambo-jivotra na hitazon-jivotra avy amin'ny fitsofana.
1 Hoy aho anakampo hoe: "Manatòna izao, hitsapa anao amin'ny hafaliana aho. Ka tiava fahafinaretana." 2 Fa indro, tsio-drivotra mandalo ihany izany. Hoy aho tamin'ny fihomehezana hoe: "Fahadalana izany," ary tamin'ny fahafinaretana hoe: "Inona no ilàna izany?" 3 Nizaha ny tao am-poko aho hoe ahoana no hahitako fahafinaretana amin'ny divay. Avelako tarihin'ny saiko amin'ny fahendrena aho na dia mbola voatazona tamin'ny hadalana ihany aza aho. Te hahita izay tsara ho an'ny olona mba hatao ety ambanin'ny lanitra aho mandritr'ireo andro hiainany. 4 Nanatanteraka zavatra lehibe aho. Nanangana trano ho ahy aho ary namboly teo amin'ireo tanim-boaloboka. 5 Nanangana zaridaina sy saha ho an'ny tenako aho; namboly ireo karazan-kazo rehetra fihinam-boa teo amin'izany aho. 6 Namorona farihin-drano mba hamatsiana rano ireo ala izay nitomboan'ireo hazo aho. 7 Novidiko ireo andevo lahy sy ireo andevo vavy; nanana andevo teraka tao an-dapako aho. Nanana omby maro sy ondry aman'osy ho biby fiompy ihany koa aho, betsaka mihoatra noho ny an'ireo mpanjaka izay nanapaka teo alohako tao Jerosalema. 8 Nanangona volafotsy sy volamena, ny haren'ireo mpanjaka sy ireo faritany ho an'ny tenako ihany koa aho. Nanana mpihira lahy sy vavy ho an'ny tenako manokana aho— ireo fahafinaretan'ny zanak'olombelona—ary vaditsindrano maro. [1]9 Dia lasa lehibe sy mpanakarena mihoatra noho ireo rehetra izay teo alohako tao Jerosalema aho, ary ny fahendreko nitoetra tamiko. 10 Na inona na inona nirian'ny masoko, dia tsy nohazoniko tamin'izy ireo. Tsy nihazona ny foko tamin'ny fahafinaretana rehetra ny aho, satria ny foko dia nifaly tamin'ny asako rehetra ary ny fahafinaretana no valisoako tamin'ny asako rehetra. 11 Dia nijery ireo asa rehetra vitan'ny tanako aho, sy ireo fisasarana izay nataoko, fa ny zava-drehetra dia entona sy fikasana hanohitra ny rivotra indray. Tsy nisy tombon-tsoa tamin'izany tety ambanin'ny masoandro. 12 Avy eo dia nitodika aho mba hihevitra ny fahendrena, ary koa ny fahaverezan-tsaina sy ny fahadalana. Fa inona no azon'ny mpanjaka ho avy handimby ny mpanjaka atao, izay tsy mbola tanteraka? 13 Dia nanomboka nihanazava ny saiko fa ny fahendrena dia ahazoana tombony kokoa noho ny fahadalana, tahaka ny fahazavana tsara kokoa noho ny aizina. 14 Ny olon-kendry dia mampiasa ny masony eo amin'ny lohany mba hijerena ny lalan-kalehany, fa ny adala dia mandeha amin'ny maizina, na dia fantatro aza fa lahatra mitovy ihany no ho an'ny olon-drehetra. 15 Dia hoy aho tao am-poko hoe: "Izay manjo ny adala, dia hanjo ahy ihany koa. Koa inona no maha-samihafa izany raha ho tena hendry aho?" Dia nofeheziko tao am-poko hoe: "Ity koa dia entona fotsiny ihany." 16 Fa ny olon-kendry, tahaka ny adala, dia tsy ho tsaroina ela akory. Ho avy ny andro izay hanadinoina ny zava-drehetra. Ny olon-kendry dia maty tahaka ny mahafaty ny adala. 17 Ka dia nankahala ny fiainana aho satria ireo asa rehetra izay vita teo ambany masoandro dia ratsy tamiko. Izany dia satria ny zava-drehetra dia entona sy fikasana hanohitra ny rivotra. 18 Halako avokoa ireo fisasarako rehetra izay niasako teny ambany masoandro satria dia tsy maintsy mamela ireny any aoriana ho an'izay lehilahy ho avy manaraka ahy aho. 19 Fa iza no mahalala na ho olo-kendry izy na ho adala? Nefa izy dia ho tompo eran'ny zava-drehetra ambany masoandro izay natsangan'ny fisasarako sy ny fahendreko. Entona ihany koa izany. 20 Noho izany dia nanomboka namoy fo tamin'ireo asa rehetra izay nataoko teo ambany masoandro aho. 21 Fa mety misy ny olona izay misasatra amin'ny fahendrena, amin'ny fahalalana, ary amin'ny fahaiza-manao, fa havelany ho an'ny lehilahy izay tsy nanao na iray tamin'ireo aza ny zava-drehetra hananany. Izany koa dia entona sy loza lehibe. 22 Fa inona no tombon-tsoa azon'ny olona izay miasa mafy sy miezaka manao amin'ny fony ireo asany eo ambany masoandro? 23 Isan'andro dia maharary sady mampiady saina ny asany, ka dia tsy mahita fitsaharana ny fanahiny amin'ny alina. Izany koa dia entona. 24 Tsy misy zavatra tsara amin'ny olona mihoatran'ny hoe mihinana sy misotro fotsiny ary afa-po amin'izay tsara amin'ny asany. Dia nahita aho fa avy amin'ny tanan'Andriamanitra izany marina izany. 25 Fa iza no afaka hihinana na iza no afaka hanana fahafinaretana isan-karazany ankoatry ny avy amin'Andriamanitra? 26 Fa izay mahafaly Azy, dia homen'Andriamanitra fahendrena sy fahalalana ary fifaliana. Kanefa, ny mpanota dia omeny ny asa fanangonana sy fitehirizana mba hahafahany manome izany ho an'ny olona izay mahafaly an'Andriamanitra. Izany koa dia anisan'ny entona sy fikasana hanohitra ny rivotra.
D.H: "niteny irery aho"
Eto ny teny "ianao" dia maneho ny tenany. D.H: "Hitsapa ny tenako amin'ireo zavatra izay mampifaly ahy aho."
D.H: "Ka ho tiko ireo zavatra izay mahafinaritra ahy."
D.H: "Hoy aho hoe adalana izany mihome amin'ny zavatra izany"
D.H: "Ilàna izany"
D.H: "Nisaina lalina aho"
D.H: "ampiasaina ny divay mba hanomezana hafaliana ho an'ny tenako."
D.H: "Nisaina lalina mahakasika ireo zavatra izay niantefan'ny fahendren'olona tamiko aho"
D.H: "raha mbola velona izy ireo"
mety niresaka tamin'ny olona izay tokony ataony ny mpanoratra. D.H:" Efa nanana olona manangana trano sy mamboly eo amin'ny tanim-boaloboka ho ahy aho"
Ireo teny roa ireo dia mizara dika mitovy ary maneho ny hatsaran'ny saha anirian'ny voan-kazo.
"mba hamokatra rano ho an'ny ala"
D.H: "ala izay nitomboan'ny hazo"
D.H: "nanana andevo izay teraka teo amin'ny lapako aho." na "Niteraka zaza ireo andevoko ary lasa andevo ihany koa izy ireo."
Ity dia maneho ilay volamena sy harena izay manodidina ny firenena voatery nandoha tamin'ny mpanjakan'Iseraely.
D.H: "Tena tiako ireo vadiko ary vaditsindrano, ho an'ireo lehilahy'
"manohy ny fihetsiko am-pahendrena hatrany aho" na "manohy ny fahendreko hatrany aho"
D.H: "Na inona na inona itako sy niriako"
D.H: "azoko tamin'ny tenako"
D.H: "Namela ny tenako hitia ny zavatra rehetra izay nampifaly ahy aho."
D.H: "nifaly aho"
D.H "ireo rehetra izay vitako"
ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary natambatra ho an'ny fanasongadinana.
Ny teny "fahaverezan-tsaina" sy "fahadalana" dia mizara dika mitovy ary maneho fahalotoan'eritreritra sy fitotadan-tena, tsirairay.
Nampiasa ity fanontaniana ity ny mpanoratra hanasongadinany ny heviny izay tsy hafahan'ny mpanjaka manao zavatra sarobidy maro izay efa vitany. D.H: "Fa ny mpanjaka manaraka dia tsy afaka anao na inona na inona...izay tsy mbola vita."
"Ny mpanjaka...izay mandimby ny mpanjaka ankenhitriny." Ity dia mety voasoratra amin'ny mpanjaka ankehitriny, ka "taorian'ny mpanjaka" dia azo adika ihany koa hoe "taoriako" (UDB).
Ny fahendrena dia tsara noho ny adalana, toy ny hazavana dia tsara noho ny haizina.
D.H: "Ny olona hendry dia tahaka ny olona izay mampiasa ny masony hijereny izay halehany"
D.H: "afaka mijery"
D.H: "ny adala dia tahaka ny olona mandeha amin'ny haizina."
D.H: "niteny irey aho"
Ny mpanoratra dia mampiasa ity fanontaniana ity hanasongadinany ny heviny fa tsy misy tombotsoa ny ho hendry. D.H: "Koa tsy misy fihasamihafana raha tena hendry aho."
D.H: "nofeheziko"
"zavona" na "fofon'aina". Tsy izany no farany. D.H: "vonjimaika" na "zava-poana". Izay ataon'ny olona dia tahaka ny entona satria tsy misy farany ary dia zava-poana.
D.H: "Tsy ho tsaroan'ny olona ela intsony ny olo-kendry, toy ny tsy nahatsiarovan'izy ireo ela ny adala"
D.H: "ho adinoin'ny olona foana ny zava-drhetra"
D.H: "ny asa rehetra ataon'ny olona"
"zavona" na "fofon'aina". Tsy izany no farany. D.H: "vonjimaika" na "zava-poana". Izay ataon'ny olona dia tahaka ny entona satria tsy misy farany ary dia zava-poana.
D.H: "Fa tsy hisy hahafantatra na ho olon-kendry izy na adala."
"izy" dia maneho ilay olona izay handova ny haren'i Solomona.
D.H: "nanomboka namoy fo aho"
"loza lehibe"
D.H: "Fa ny olona izay miasa mafy sy miezaka manatanteraka ny asany amin'ny fony eo ambany masoandro dia tsy hahazo tombo-tsoa."
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary manasongadina izay fahamafisan'ny olona miasa.
D.H: "miezaka hahay"
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy izay hasarotan'ny asan'ny olona.
D.H: "tsy mitsahatra ny sainy" na "manahy hatrany izy"
D;H: "avy amin'Andriamnitra izany marina izany"
D.H: "Fa tsy hisy na olona iray aza afaka hihinana sy hanana fahafinaretana avy amin'Andriamanitra."
Ny teny "izy" dia maneho an'Andriamanitra na ny mpanota. Ny teny "izany" dia maneho amin'izay mpanota efa nanangona sy nithary. Ny fandinan-teny manaraka dia fomba iray ilazana izany tsy misy fampahazavana izay omena ireo zavatara izay voahangona. D.H:" koa ilay iray izay mahafnirita an'Andrimanitra dia mety manana izany."
"zavona" na "fofon'aina". Tsy izany no farany. D.H: "vonjimaika" na "zava-poana". Izay ataon'ny olona dia tahaka ny entona satria tsy misy farany ary dia zava-poana.
1 Fa ny zava-drehetra dia efa voatondro amin'ny fotoany, ary ny vanim-potoana ho amin'ny tanjona tsirairay ambany lanitra. 2 Misy fotoana ahaterahana ary fotoana ahafatesana, fotoana hambolena ary fotoana hamokarana, 3 fotoana hamonoana ary fotoana hanasitranana, fotoana handravana ary fotoana hananganana. 4 Misy fotoana hitomaniana ary fotoana hihomehezana, fotoana hisaonana ary fotoana handihizana, 5 fotoana hanariam-bato ary fotoana hanangonam-bato, fotoana hamihinana olon-kafa, ary fotoana handrarana ny famihinana. 6 Misy fotoana hitadiavan-javatra ary fotoana hitsaharana mitady, fotoana hifikirana amin-javatra ary fotoana hanariana izany, 7 fotoana handrovitana ary fotoana hanjairana, fotoana hanginana ary fotoana hitenenana. 8 Misy fotoana hitiavana ary fotoana hankahalana, fotoana hiadiana ary fotoana hihavanana. 9 Inona no tombony azon'ny mpiasa amin'ny asany? 10 Efa hitako ny asa izay nomen'Andriamanitra ho tanterahan'ny olombelona. 11 Efa nanao ny zava-drehetra hifanaraka amin'ny fotoany Andriamanitra. Efa nampitoetra ny mandrakizay tao am-pon'ireo ihany koa Izy. Nefa tsy afaka hahatakatra ny asa lehibe izay nataon'Andriamanitra ny olombelona, hatramin'ny fiatombohany ka hatramin'ny fiafarany. 12 Fantatro fa tsy misy zavatra tsara ho an'ny olona noho ny mifaly sy manao zava-tsoa hatrany raha mbola velona koa izy— 13 ary ny olon-drehetra dia tokony hihinana sy hisotro, ary tokony hahay hifaly amin'ny tsara izay avy amin'ny asany rehetra. Fanomezana avy amin'Andriamanitra izany. 14 Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia maharitra mandrakizay. Tsy afaka ampiana izany na analana, satria Andriamanitra no efa nanao izany mba anatonan'ny olona Azy amin'ny voninahitra. 15 Izay rehetra misy dia efa nisy, izay rehetra hisy dia efa nisy. Andriamanitra dia nanao ny olombelona hitady ireo zava-miafina. [1]16 Efa nahita ny faharatsiana izay ety ambany masoandro aho, izay tokony hisy ny rariny, ary eo amin'ny toeran'ny fahamarinana, dia ny faharatsiana no tao. 17 Hoy aho anakampo hoe: "Ho tsarain'Andriamanitra amin'ny fotoany ny olo-marina sy ny ratsy fanahy ny amin'ny raharaha sy ny asany rehetra." 18 Hoy aho anakampo hoe: "Mizaha toetra ny olombelona Andriamanitra mba hanehoana azy ireo fa tahaka ny biby izy ireo." 19 Fa amin'izy ireo dia sahala ny manjo ny zanak'olombelona sy ny manjo ny biby. Ny fahafatesan'ny iray dia tahaka ny fahafatesan'ny iray hafa. Mitovy ny fofon'ain'izy rehetra. Tsy misy tombony ho an'ny olombelona eo amin'ny biby. Fa moa ve tsy fofon'aina fotsiny ihany ny zava-drehetra? 20 Ny zava-drehetra dia samy mizotra amin'ny toerana iray. Ny zava-drehetra dia avy amin'ny vovoka, ary ny zava-drehetra dia hody vovoka. 21 Iza no mahalala na miakatra any ambony ny fanahin'ny olombelona ary midina any amin'ny tany ny fanahin'ny biby? [2]22 Ka dia tsapako indray fa tsy misy zavatra tsara ho an'ny olona noho ny mifaly amin'ny asany, fa izany no asa nanendrena azy. Iza no afaka hitondra azy miverina mba hijery izay mitranga aoriany?
Ny mpanoratra manova fampisainana maro eo amin'ny lisitry ny fiainana.
ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary dia natambatra ho fanamafisana.
Ireo dia fomba fijery samihafa isan-karazany eo amin'ny fiainana ho famaritana avy amin'ny zavatra iray tafahoatra.
Mety midika hoec 1) "fotoana hamokarana" na 2) "fotoana hanalana ahi-dratsy" na 3) "fotoana hanongotana."
Ny mpanoratra dia manohy ny fampisainana amin'ny fiainana.
Ireo dia fomba fijery samihafa isan-karazany eo amin'ny fiainana ho famaritana avy amin'ny zavatra iray tafahoatra.
Ny mpanoratra dia manohy ny fampisainana amin'ny fiainana.
Ny mpanoratra dia manohy ny fampisainana amin'ny fiainana.
Ity dia famoahana fanontaniana fisainana hampifantohana ny mpamaky eo amin'ny lohahevitra manaraka.
Eto ny teny "ireo" dia maneho ny maha olombelona. D.H: "nampitoetra mandrakizay ny tao am-pon'ny maha olombelona."
ny mpanoratra dia manasongadina ny fampiharana ny hafaliana amin'ny asa iray, fa tsy fahaizana ara-tsaina amin'izay fomba hizoran'ny fitiavana amin'ny asa iray.
D.H: "izay rehetra efa vita ny olona no mbola ho atao amin'ny hoavy"
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary manasongadina hoe ahoana no nanaratsiana ny fitondra-teny.
D.H: "matetika mitady faharatsiana ny olona"
D.H: "niteny irery aho"
Ireo andian-teny roa ireo midika zavatra mitovy amin'ny anakapobeny ary maneho ireo asa rehetra izay ataon'ny olona.
D.H: "ny olombelona dia tsy manana hatsarana noho ireo biby"
D.H: "fofon'ain'olona fotsiny ny zavatra rehetra"
Ny mpanoratra dia manambara fa ny biby dia mana-panahy D.H:" Tsy misy na iray aza mahalala ny fanahy... amin'ny tany."
ny mpanoratra dia manasongadina ny fampiharana ny hafaliana amin'ny asa iray, fa tsy fahaizana ara-tsaina amin'izay fomba hizoran'ny fitiavana amin'ny asa iray.
Tsy nisy na iray aza efa nampitsanaga olona na biby tamin'ny maty. D.H: "tsy misy na iray aza afaka mitondra... aoriany."
1 Nandinika indray mandeha momban'ny fahoriana rehetra izay vita teo ambany masoandro aho. Ary indro, ny ranomason'ny olona nampahoriana, ary izy ireo dia tsy nanana na iza na iza mba hampionona azy! Teo an-tanan'ny mpampahory azy ireo ny hery, ary tsy nisy na iray aza hampionona azy ireo! 2 Noho izany dia miarahaba ny olona maty aho, ireo izay efa maty, fa tsy ny miaina, ireo izay mbola velona. 3 Kanefa, sambatra noho izy roa tonta ny olona izay tsy mbola nohariana, izay tsy mbola nahita ny asa ratsy rehetra izay vita teo ambany masoandro. 4 Ary itako fa ny asa tsirairay sy ny fahaiza-manao tsirairay dia lasa fitsiriritan'ny mpiara-monina hafa. Izany ihany koa dia entona sy fikasana hanohitra ny rivotra. 5 Ny adala mamoritra ny tanany ary tsy miasa, ka dia ny nofony ihany no sakafony. 6 Fa tsara kokoa ny tombony iray tanana amin'ny asa mangina noho ny roa tanana amin'ny asa izay miezaka ny manohitra rivotra. 7 Avy eo dia nandinika momban'ny zava-poana maro indray aho, fifanjavoana zavona maro teo ambany masoandro. 8 Misy ny karazan-dehilahy izay mitoetra irery. Tsy manana na iza na iza izy, na zanaka lahy na rahalahy. Tsy misy fiafarana ny asany, ary ny masony tsy mba afa-po amin'ny harena azo. Nanontany tena izy hoe: "Ho amin'iza no hiasako mafy ary handàvan'ny tenako ny fifaliana?" Zava-poana ihany koa izany, toe-javatra ratsy. 9 Tsara kokoa ny olona roa miasa noho ny iray; raha miaraka izy ireo dia afaka mahazo karama tsara ho an'ny asany. 10 Fa raha lavo ny iray, dia afaka manarina ny namany ilay iray hafa. Kanefa, ny alahelo dia manaraka ilay iray izay irery rehefa lavo izy ka tsy misy na iray aza manarina azy. 11 Raha roa no miara-mandry, dia mety hafana izy ireo, saingy ahoana no hampafana irery ny iray? 12 Ny lehilahy irery no mety resy, fa ny roa mety afaka manohitra fanafihana, ary ny kofehy telo tsy ho mora tapahina. 13 Tsara kokoa ny mahantra fa tanora hendry toy izay mpanjaka antitra adala izay tsy mahafantatra intsony ny fomba ihainoana fampitandremana. 14 Marina izany na dia lasa mpanjaka aza ny tovolahy iray avy any am-ponja, na dia mbola nateraka hahantra ao amin'ny fanjakany aza izy. 15 Kanefa, izaho dia nahita ny olona rehetra izay velona sy mandeha ambanin'ny masoandro mandefa ny tenan'izy ireo mankany amin'ny tovolahy hafa izay nitsangana tahaka ny mpanjaka. 16 Tsy misy fiafarana ho an'ny olona rehetra izay maniry ny hankatò ny mpanjaka vaovao, fa aoriana kely dia maro amin'izy ireo no tsy hidera azy intsony. Entona tokoa izany toe-javatra izany ary fikasana hanohitra ny rivotra.
D.H: "Ny mpampahory azy ireo dia manana fahefana lehibe"
Tsy misy na iray aza ka mahatohatra ny foriana.
D.H: "ny olona izay tsy mbola nohariana dia tsara noho izy roa ireo"
Mety midika hoe 1) Ny fahafinaretan'ny mpiara-monina dia tanjon'ny mpiaramoniny na 2) ny fahafinaretan'ny mpiara-moniny dia fahaiza-manao ananan'ny mpiara-moniny.
Tsy misy na iray aza mifehy na ny rivotra afahan'izy ireo amin'ny biby avy hatrany. "zavona" na "fofon'aina". Tsy izany no farany. D.H: "vonjimaika" na "zava-poana". Izay ataon'ny olona dia tahaka ny entona satria tsy misy farany ary dia zava-poana.
mamoritra ny tanany dia fihetsikin'ny hakamoana ary ny fomba iray hafa dia filazana ny olona mandà asa.
D.H: "ho fehiny, izy ihany no fototry ny fapotehiny."
Tsy ny asa rehetra no mahasoa. Ny ankamaroan'ny asa tsy mahasoa toy ny fiezahana mamehy rivotra.
Ity dia olona tsy manana fianakaviana.
D.H: "tsy afa-po izy"
D.H: "hisy olona hahaza tombony amin'ny fiasana mafy amiko ka tsy hahazo hafaliana ve?" na "Tsy ampahazo tombony amin'ny olona ny asako ary tsy hahafaly ny tenako."
Ny mpanoratra miresaka an'ireo olona roa mitazona ny hafanana tsirairay ny hatsiaka ny alina.
D.H: "tsy afaka hafana ny olona iray raha irery."
"miaro ny tenany izy ireo amin'ny fanafihana"
tsy ho tapaka mora ny tadin-kofehy- D.H: "tsy ho tapaky ny olona mora ny tady vita amin'ny kofehy telo"
D.H : "nateraky ny ray aman-dreny mahantra izy izay nitoetra tany amin'ny tany izay andehanany matetika"
Fa tsy ny fisafidianana tanora hendry, ny olona no misafidy ny zanakin'ny mpanjaka izay mety tsy ho hendry akory.
Ny teny "velona" sy "mandeha" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary nantambatra ho fanasongadinana.
D.H: "eto dia maro be ny olona"
"zavona" na "fofon'aina". Tsy izany no farany. D.H: "vonjimaika" na "zava-poana". Izay ataon'ny olona dia tahaka ny entona satria tsy misy farany ary dia zava-poana.
1 Tandremo ny fitondran-tenanao rehefa mankany an-tranon'Andriamanitra ianao. Mandehana any mba hihaino. Ny mihaino dia tsara noho ny adala manolotra sorona nefa tsy mahalala fa ratsy ny ataon'izy ireo eo amin'ny fiainana. 2 Aza malaky loatra miteny amin'ny vavanao, ary aoka ny fonao tsy halaky loatra hampiakatra izay raharaha rehetra eo anoloan'Andriamanitra. Any an-danitra Andriamanitra, fa ianao ety an-tany, koa aoka ho vitsy ireo teninao. 3 Raha be loatra ny zavatra ataonao sy mampiahiahy anao, dia hanofy ratsy tokoa ianao. Ny habetsak'ireo teny lazainao, no habetsaky ny fahadalana mety ho lazainao. 4 Rehefa mivoady amin'Andriamanitra ianao, dia aza mitaredretra amin'ny fanaovana izany, fa tsy sitrak'Andriamanitra ireo adala. Ataovy izay nanaovanao voady fa ho ataonao. 5 Aleo tsy mivoady toy izay manao voady izay tsy tanterakao akory. 6 Aza avela hampanota ny nofonao ny vavanao. Aza miteny amin'ny iraky ny mpisorona hoe: "Fahadisoana iny voady iny." Nahoana no mampatezitra an'Andriamanitra amin'ny fanaovana voady tsy izy, mihantsy an'Andriamanitra hanimba ny asan'ny tananao? 7 Fa ao amin'ny nofy maro, tahaka ny ao amin'ny teny maro, dia misy entona tsy misy dikany. Koa matahora an'Andriamanitra. 8 Raha hitanao ampahoriana sy robaina amin'ny fitondrana marina sy mahitsy ao amin'ny faritaninao ny mahantra, dia aza gaga raha tsy misy olona mahalala, satria misy olona mahery izay miambina ireo eo ambany fahefan'izy ireo, ary misy olona ambony kokoa aza manapaka azy ireo. 9 Fanampin'izany, an'ny olon-drehetra ny vokatry ny tany, ary ny mpanjaka mihitsy no maka ny vokatra amin'ireo saha. 10 Ny olona rehetra izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin'ny volafotsy, ary ny olona rehetra izay tia harena dia mitady mihoatra lalandava. Izany, ihany koa, dia entona. 11 Tahaka ny hitomboan'ny fanambinana, dia tahaka izany ihany koa ny olona izay mihinana izany. Inona no tombon-tsoa an'ny tompony amin'ny harena afa-tsy ny mijery izany amin'ny masony? 12 Mamy ny torimason'ny olona miasa, na mihinana kely na betsaka izy, fa ny haren'ny olona mpanan-karena dia tsy mamela azy hatory tsara. 13 Misy ratsy mahory izay efa hitako tety ambany masoandro: dia harena angonin'ny tompony, fa miafara amin'ny fahoriany ihany. 14 Raha very amin'ny vintan-dratsy ny haren'ny olona mpanan-karena, ny zanany lahy, ilay naterany, dia tavela tsy manana na inona na inona eo an-tanany. 15 Tahaka ny olona teraka nitanjaka avy ao an-kibon-dreniny, dia mitanjaka toy izany ihany koa no hialany amin'ity fiainana ity. Tsy afaka hitondra na inona na inona eny an-tanany avy amin'ny asany izy. 16 Ny ratsy mahory hafa dia tahaka ny olona tonga tokoa, koa toy izany koa no tsy maintsy handehanany. Koa inona ny tombony azon'ny olona amin'ny fiasana ho an'ny rivotra? 17 Mandritry ny androny dia mihinana amin'ny aizina izy ary ory fatratra amin'ny aretina sy hatezerana. 18 Indro, izay efa hitako ho tsara sy mety dia ny mihinana sy misotro ary mankafy ny tombony avy amin'ny asantsika rehetra, raha miasa ambanin'ny masoandro mandritry ity androm-piainana izay efa nomen'Andriamanitra antsika ity. Fa izany no anjaran'ny olona. 19 Ny olona izay nomen'Andriamanitra fananana sy harena ary fahaizana mba handray ny anjarany ka hifaly amin'ny asany—fanomezana avy amin'Andriamanitra izany. 20 Fa tsy mahatsiaro matetika ireo androm-piainany izy, satria ataon'Andriamanitra sasatra amin'ireo zavatra izay tiany atao.
Izany dia manan-danja tokoa ny fakanesana any amin'ny tempoly mihaino sy mianatra ny lalàn'Andriamanitra mba hankatoa an'Anandriamanitra noho ny manolotra sorona nefa mbola manota amin'i Yaveh ihany.
Manao fampanantenana na voady amin'Andriamanitra.
Ireo andian-teny ireo dia midika zavatra mitovy.
"aza miteny betsaka"
Toetra iray ny adala ny manao fampanantenana na voady izay tsy hananan'izy ireo fitandremana ny fihazonana na fanatanterahana.
"aoka izay teneninao tsy hampanota anao."
"Tsy maintsy lotoina izany mba hampatezitra an'Andriamnitra... tanana."
"ravao izay rehetra ataonao"
"Ny fizaran-teny dia tsy manome hevitra ho azy ireo, tahaka ny fananana nofy maro mahatonga ireo ho tena izy."
D.H: "fahantran'ny olona mahanitra sy ny fandrobana azy ireo"
Ny teny "marina" sy "mahitsy" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary maneho amin'ny mpanjaka ny fitondrana ireo olona mendrika. D.H: "fitondrana tsara."
"aza gaga"
D.H: "misy olona amin'ny fahefana"
Misy olon-kafa izay manjaka eo amin'izy ireo eo amin'ny fahefana. D.H: "olona ambony fahefana koko noho izy ireo."
D.H: "sakafo izay vokarin'ny tany"
Entona misy zavatra tsotra fotsiny, koa tsy misy fahasambarana ao anatin'ny fanirina ny vola.
D.H: "Tahaka ny olona be fanambinana"
Mety ho dikany 1) "koa misy olona mandany vola be" na 2) koa misy olona maro izay mampiasa ny hareny."
D.H: "Ny tombotsoa izay an'ny tompony avy amin'ny harena dia izay afahany mijery izany ihany"
ny olona izay manao tsara na asa tsara dia mety afa-po amin'ny tenany amin'ny fahafantarana ny nanaovany asa amin'ny andro tsara na inona na inona hefainy.
"na mihinana sakafo kely na betsaka na hanim-be izy"
ny olona manankarena dia tsy mba mety afa-po amin'ny hareny izany. Tsy matory mihitsy ny tenany ny alina miahiahy ny volany. D.H: "tsy mampatory azy ny alina"
D.H: "ny tompony manangona harena"
Mety midika 1) "na amin'ny loza" na 2) "na amin'ny fifanaraha fandraharana.
Eto ny teny "eo an-tanany" dia maneho ny fananany. D.H: "niala tsy nahazo harena ho an'ny tena zanany lahy izy"
ankoatra ny nofo tsy misy fitafiana, eto ny teny "nitanjaka" dia manasongadina izay olona teraka tsy nanan-karena. D.H: "nitanjaka ilay olona ary tsy nitafy na inona na inona rehefa teraka... hiala amin'izany fiainana amin'izany fomba izany izy"
D.H: "Ho faty izy"
D.H: "tsy afaka hitondra na niinona na inona miaraka aminy izy"
Ity dia maneho ny fahaterahana sy ny fahafatesan'ny olona ary manamafy hevitra mitovy toy tamin'ny andininy teo aloha.
Eto ny mpanoratra dia mampiasa ity fanontaniana ity hanasongadinany ny heviny fa tsy misy manana tombony amin'ny asa ho an'ny rivotra. D.H: "Tsy misy na iray aza hahazo tombony amin'ny asa ho amin'ny rivotra.
Mety midika 1) "miezaka maka rivotra" na 2) Miaina amin'ny fiasana ho an'ny rivotra izy"
Eto ny teny "aizina" dia maneho toe-javatra mampalahelo. Mety midika 1) Mandritra ny fiainany dia mihinana amin'ny alahelo izy." na 2) Ny fiainany dia lany amin'ny alahelo."
D.H: "ary ory tanterraka, nofo marary sy tezitra."
"mitandrina" na "mihaino tsara"
Ny teny "tsara" sy "mety" dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Ny fanamafisana faha roa dia midika an'ilay voaloha. D.H: "izay efa hitako amin'ny zavatra tsara ho atao."
D.H: ""raha mamela antsika hiaina Andrimanitra"
Mety midika 1) "valisoa an'olona" na 2) "fanomezan'ny olona amin'ny fianana."
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Maneho vola sy ireo zavatra izay afaka vidin'olona ain'ny vola ireo.
Ity dia maneho fahaizana ho amin'ny fahafaham-po sy hafalianan'ny olona amin'ny asa.
Eto ny teny "izy" dia amin'ny olona izay nomen'Andriamnitra fanomezana. D.H: "Tsy notsaroany"
D.H: "ireo zavatra izay miseho mandritry ny androm-piainany"
"sasatra foana"
1 Misy ratsy izay efa hitako teo ambany masoandro, ary mafy ho an'ny olona izany. 2 Mety hanome fananana, harena, ary voninahitra amin'ny olona iray Andriamanitra mba tsy ho ory na inona na inona amin'izay iriany ho an'ny tenany izy, saingy Andriamanitra tsy hanome fahefana azy mba hankafizana izany. Fa kosa, misy olon-kafa mampiasa ireo zavany. Zava-poana izany, fampahoriana ratsy. 3 Raha misy lehilahy manana zanaka an-jatony sy miaina taona maro, mba ho maro ny andron'ireo taonany, fa raha tsy afa-po amin'ny tsara ny fony ary tsy alevina am-boninahitra izy, dia hoy aho hoe ny zaza maty teo am-pahaterahana dia tsara kokoa noho izy. 4 Na dia teraka amin'ny zava-poana aza ny zaza tahaka izany ary maty ao amin'ny haizina, ary mitoetra ho fanafina ny anarany. 5 Na dia tsy mahita ny masoandro aza io zaza io na tsy mahafantatra na inona na inona, dia manana fitsaharana mihoatra noho izany lehilahy izany izy. 6 Na dia tokony hiaina roa arivo taona aza ny olona nefa tsy mianatra mankafy ireo zavatra tsara, dia mandeha any amin'ny toerana mitovy toy ny olona hafa rehetra izy. 7 Ny asan'ny olona rehetra dia amin'ny vavany, nefa tsy mbola afa-po amin'ny homany. 8 Eny tokoa, inona no tombon-tsoa ananan'ny olon-kendry amin'ny adala? Inona no tombon-tsoa ananan'ny mahantra na dia mahafantatra ny fomba fihetsika manoloana ny olona hafa aza izy? 9 Tsara kokoa ny afa-po amin'izay hitan'ny maso noho ny maniry izay tadiavin'ny homana mandehandeha, izay entona sy andrana hanoherana rivotra ihany koa. 10 Izay rehetra nisy dia efa nomena ny anarany, ary efa fantatra hoe toy ny inona ny olombelona. Noho izany dia lasa tsy misy dikany ny mifamaly amin'izay mpitsara maherin'ny rehetra. 11 Arakaraky ny habetsaky ny teny voalaza, no hitomboan'ny zava-poana, koa inona no tombon-tsoan'izany amin'ny olona? 12 Fa iza no mahafantatra izay tsara ho an'ny olona eo amin'ny fiainany mandalo, andro voaisa izay hiainany toy ny aloka? Iza no afaka milaza amin'ny olona ny amin'izay ho avy eny ambany masoandro rehefa avy mandalo izy?
D.H: "mahatonga fahamafisana amin'ny olona izany"
Ireo teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Maneho vola sy zavatra izay afaka vidian'olona amin'ny vola ireo.
D.H: "manana ny zava-drehetra izy."
Mahazo fanana na harena ka tsy mahay mifaly amin'ireo dia zava-poana.
Tsy mahay mifaly amin'ny fananana iray dia fampahoriana ratsy na ozona.
D.H: "manan-janaka 100"
Ire andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny anakapobeny ary natambatra ho fanamafisana.
D.H: "tsy afa-po amin'ireo zavatra tsara izy"
Mety midika 1) "tsy misy na iray mandevina azy" na 2) "tsy misy na iray mandevina azy araka ny tokony ho izy."
D.H: "na ny zaza teraka amin'ny tsy antony"
Eto ny teny "haizina" azo anehoana amin'ny tontolon'ny fahafatesana na zavatra saro-takarina. D.H: "maty tsy misy fanazavana"
D.H: "tsy misy na iray aza mahalala ny anarany"
Ny zaza teraka tsy tonga dia zaha-draraha avy hatrany, mitoetra ho fitsaharana izany. Ny olona izay niaina taona maro tsy nisy fahafaham-po kosa dia tsy ampy fitsaharana.
Ity dia fanitarana zavatra mba hampisehoana hoe mandram-pahoviana no iainan'ny olona iray raha tsy tia ireo zavatra tsara eo amin'ny fiainana izy.
D.H: "2,000 taona"
Ity dia heverina, fa ny olona dia mila mianatra mankafy ireo zavatra tsara omena azy eo amin'ny fiainana.
D.H: "manisy hanina ny vavany" na "mihinana"
D.H: "tsy afa-po amin'ny homany izy"
Ny fahendren'ny olon-kendry dia tsy mampiseho azy fanampy fialofana. D.H: "ny olona hendry dia tsy manana tombony eo amin'ny adala."
D.H: "Ny olona mahantra dia tsy manana tombony nadia fantany aza ny fomba fihetsika manoloana ny olon-kafa."
Ny olona iray dia afaka mahita ireo zavatra ireo satria efa manana ireo izy. D.H: "izay ananan'ny olona"
Ity dia maneho ireo zavatra izay hirian'olona nefa tsy hananany. D.H: "maniry izay tsy hananana izy"
"zavona" na "fofon'aina". Tsy izany no farany. D.H: "vonjimaika" na "zava-poana". Izay ataon'ny olona dia tahaka ny entona satria tsy misy farany ary dia zava-poana.
D.H: "Efa nomen'ny olona anarana ny zavatra rehetra izay misy"
D.H: " Efa fantan'ny olona hoe olombelona toy ny inona izy."
1 Ny laza tsara dia tsara kokoa noho ny ranomanitra lafo vidy, ary ny andro hahafatesana dia tsara kokoa noho ny andro hahaterahana. 2 Tsara kokoa ny mandeha any amin'ny trano fisaonana noho ny any amin'ny trano firavoravoana, satria ny fisaonana dia tonga amin'ny olona rehetra amin'ny faran'ny fiainana, ka tokony raisin'ny olona velona am-po izany. 3 Ny alahelo dia tsara kokoa noho ny tsiky, fa aorian'ny endrika malahelo no hiavian'ny hafalian'ny fo. 4 Ny fon'ny hendry dia ao an-trano fisaonana, fa ny fon'ny adala kosa ao an-trano firavoravoana. 5 Tsara kokoa ny mihaino ny teny mafin'ny hendry noho ny mihaino ny hiran'ireo adala. 6 Fa tahaka ny fikarepok'ireo tandroka mirehitra ambany vilany, dia toy izany koa ny fihomehin'ireo adala. Izany, ihany koa, dia zava-poana. 7 Ny fangalana an-keriny dia azo antoka fa mahalasa adala ny hendry, ary ny kolikoly manimba ny fo. 8 Tsara kokoa ny fiafaran'ny raharaha iray noho ny fiandohany; ary ny olona maharitra am-panahy dia tsara kokoa noho ny mirehareha am-panahy. 9 Aza mora tezitra ny fanahinao, satria ny hatezerena dia mitoetra ao am-pon'ireo adala. 10 Aza miteny hoe: "Nahoana ireo andro fahiny no tsara kokoa noho ireto?" Fa izany dia tsy noho ny fahendrena raha manontany io fanontaniana io ianao. 11 Ny fahendrena dia tsara noho ireo zavatra manan-danja izay nolovaintsika avy tamin'ireo razambetsika. Izany dia mitondra tombon-tsoa ho an'ireo izay mahita ny masoandro. 12 Fa ny fahendrena dia mitondra fiarovana toy ny vola izay afaka mitondra fiarovana, saingy ny tombon-tsoan'ny fahalalana dia ny hoe manome fiainana ho an'izay manana azy ny fahendrena. 13 Saino ireo asan'Andriamanitra: Iza no afaka hanitsy ny zavatra rehetra nomelohany? 14 Rehefa tsara ny andro, dia miainà amim-pifaliana amin'izany hatsarana izany, fa rehefa ratsy ny andro, dia saino ny momba ity: Andriamanitra dia efa namela azy roa hiaraka. Noho izany antony izany, dia tsy misy mahita ny zavatra rehetra izay mitranga aoriany. 15 Efa nahita zavatra maro aho nandritr'ireo andro keliko. Misy ireo olo-marina izay levona na dia eo aza ny fahamarinan'izy ireo, ary misy ireo olona ratsy fanahy izay ela velona na dia eo aza ny haratsian'izy ireo. 16 Aza manamarin-tena, hendry eo imasonao. Nahoana no tokony hanimba ny tenanao ianao? 17 Aza dia ratsy fanahy na miadaladala loatra. Nahoana ianao no tokony ho faty mialohan'ny fotoanao? 18 Tsara raha mihazona io fahendrena io ianao, ary tsy tokony hamela ny fahamarinana handeha. Fa ny olona izay matahotra an'Andriamanitra dia hahita ireo adidiny rehetra. [1]19 Mahery ny fahendrena ao amin'ny olo-kendry, mihoatra noho ny mpanapaka folo ao amin'ny tanàna iray. 20 Tsy misy olo-marina manao soa sy tsy mbola nanota izany mihitsy eto an-tany. 21 Aza mihaino ny teny rehetra izay voalaza, satria mety handre ny mpanomponao hanozona anao ianao. 22 Toy izany koa, ianao dia mahafantatra fa efa nanozona matetika ny hafa tao am-ponao manokana ianao. 23 Ireo rehetra ireo dia efa voaporofoko tamin'ny fahendrena. Hoy aho hoe: "Ho hendry aho," saingy nihoatra ny tokony ho izy izany. 24 Ny fahendrena dia lavitra sy lalina. Iza no afaka hahita izany? 25 Nanova ny foko mba hianatra sy handinika ary hitady ny fahendrena sy ireo fanazavana ny zava-misy aho, ary hahatakatra fa adala ny ratsy ary ny hadalana dia fahaverezan-tsaina. 26 Hitako fa mangidy kokoa noho ny fahafatesana ny vehivavy izay feno fandrika sy harato ny fony, ary misy rojo vy ny tanany. Na iza na iza mankasitraka an'Andriamanitra dia ho afaka aminy, fa ireo mpanota kosa ho lasany. 27 "Saino izay efa hitako," hoy ny Mpitoriteny. "Nanampy vokam-pikarohana iray tamin'ny hafa aho mba hahita fanazavana ny zava-misy. 28 Izany no mbola karohiko, saingy tsy hitako izany. Tsy nahita olo-marina iray teo amin'ny arivo aho, ary tsy nahita vehivavy iray teo amin'ireo rehetra ireo aho. 29 Ity ihany no efa hitako: fa Andriamanitra dia namorona ny olombelona ho mahitsy, saingy nandeha nitady fahasahiranana maro izy ireo."
D.H: "ny laza tsara"
Mila mihevitra izay karazana anarana na laza izay hananany izy ireo ary handao rehefa maty any aoriana. D.H: "ireo izay mbola velona dia tsy maintsy miheritreritra zava-dehibe mahakasika izany."
Ity dia maneho ny olona malahelo. D.H: "traik'efa izay ataon'ny olona malahelo."
Eto ny teny "fo" dia maneho ny fisainan'ny olona sy fihetseham-po. Ny hafaliana dia mamaritra ny hevitry ny fihetseham-pon'ny olona faly sy milamina. D.H: "heritreritra tsara"
D.H: "Ny olona hendry dia miheritreritra lalina mahakasika ny fahafatesana"
D.H: "fa ny fitiavany ny tenany ihany no heritreretin'ny olona adala"
Ireo andian-teny ireo dia maneho izay mitranga ao amin'ireo toerana ireo.
D.H: "rehefa manamafy anao ny olona hendry"
D.H: "mihaino ny hiran'ireo adala"
Ny "ny fihomehin'ireo adala" dia nampitahana amin'ny fandoroana tandroka mafy saingy may faingana.
Ity dia maneho fanerena olona hanome vola na zavatra sarobidy hafa amin'ny hafa mba tsy hanaratsian'olon-kafa azy. Izany dia heverina ho ratsy.
Mety midika 1) "mamadika ny olona hendry makao amin'ny olona adala" na 2) "mampiseho ny hevitry ny olon-kendry ho hevitra adala."
Eto ny teny "fo" dia manambara saina. D.H: "manimba ny fahaizan'olona hieritreritra sy hitsara am-pahamarinana."
Eto ny teny "fanahy" dia maneho ny toe-tsain'olona. D.H: "tsara kokoa ny olona maharitra noho ny olona mirehareha" na "tsara kokoa ny toe-tsaina maharitra noho ny toe-tsaina feno havonavona."
D.H: "aza mora tezitra malaky" na "aza miakatr'afanana"
tezitra dia nampitahaina amin'ny zavatra izay mitoetra ao anaty adalan'ny olona. D.H: "ny olona adala dia feno fahatezerana"
Mangataka ity fanontaniana ity ny olona mba hitarainana mahakasika ny ankehitriny. D.H: "tsara kokoa ireo zavatra fahiny noho ny ireo ankehitriny."
Manao ity fanambarana ity ny olona tsy hampitahaina ny ankehitiriny sy ny taloha ara-lojika, saingy foto-kevitra. D.H: "Raha hendry ianao tsy mametraka ity fanontaniana ity" na "fametrahana ity fanontaniana ity dia mampiseho fa tsy hendry ianao"
D.H: "Ireo izay mbola velona"
Mety midika hoe 1) ny ampiasain'ny mpanoratra ny teny "fahalalana" sy "fahendrena" dia midika zavatra mitovy, na 2) "ny tombotsoan'ny fahalalana ny fahendrena dia manome ny fiainana."
"azy" dia maneho fahendrena. Fahalalana sy fahendrena "manome fiainana" amin'ny fomba samihafa. Fisafidianana fampiasam-bola tsara, finamanana tsara, fisafidianana fahasalamana amin'ny endriky ny fianinana, fiainana am-pilaminana miaraka amin'ny hafa dia fomba isankarazany amin'ny fomba fahendrena "manome fiainana"
D.H: "tsy misy na iray afaka hanitsy ny zavatra rehetra efa nomelohiny"
"raha zavatra tsara no mitranga... raha zavatra ratsy no mitranga"
"mifalia amin'ireo zavatra tsara"
"fotoana mitovy"
Mety midika hoe 1) "ny zava-drehetra izay miseho amin'ny hoavy" na 2) "ny zava-drehetra izay miseho amin'izao tontolo izao aorian'ny fahafatesana" na 3) "ny zava-dehetra izay miseho aminy aorian'ny hahafatesany."
"na dia marina aza izy ireo"
marina, hendry eo imasonao- Ireo andian-teny roa ireo midika mitovy amin'ny ankapobeny ary natambatra ho fanamafisana.
marina- "Aza meritreritrra ny tenanao ho marina tanteraka noho ianao amin'izao"
D.H: "hendry amin'ny hevitrao"
Ny mpanoratra dia mampiasa ity fanontaniana ity mba anamafisana fa ny fanamarinan-tena manimba olona. D.H: "Tsy misy antony tokony hanimba ny tenanao."
"Tsy misy antony ho anao tokony hafaty anao haingana noho ianao"
"manaoa ny tenanao amin'ny fahendrena"
"tokony hiezaka tsy hitsahatra ho marina ianao" na "tokony miezaka mijanona ho marina ianao"
"hanao ny zavatra rehetra izay hanendren'Andriamanitra azy"
Ny fahendrena dia nampitahaina amin'ny mpanapaka amin'ny tanàna maro. Ny fahendrena dia afaka mana ny olona ho manan-danja noho ny mpanapaka ny tanàna maro.
D.H: "manao asa tsara ary tsy manota"
D.H: "izay rehetra lazain'olona" (UDB)
"ianao tenanao mahafantatra." Eto "ny tenanao" dia nampiasaina hanamafisana fa "ianao mahafantatra"
D.H: "ny heritreritrteo manokana"
"Ireo rehetra izay efa voasoratro mahakasika izay efa voaporofoko"
"izany dia ivelan'ny fahaizako mba hanakarana"
Ny fahendrena dia sarotra tazomina. Raha nisy fahatakarana izany, dia voafetra. Izany dia mitaky halalinan-tsaina mihoatra ny mpanoratra mahay. D.H: "sarotra takarina"
Ny mpanoratra dia mampiasa ity fanontaniana ity mba hanamafisana ny hasarotan'ny fanakarana fahendrena. D.H: ""tsy misy na iray afaka hanakatra izany."
Eto ny teny "fo" dia manambara saina. D.H: "Nanova ny saiko aho" na "nanapa-kevitra aho"
Ny mpanoratra dia milaza fa ny vehivavy manintona dia tahaka ny fandrika izay ampiasain'ny mpihaza hisamborana biby.
Eto ny teny "fo" dia manambara fisainana sy fihetseham-po. Ity dia ilay vehvavy liana amin'ny fitiavan-tena ihany. D.H: "izay te hamandrika olona"
Ireo teny roa ireo dia samy maneho ny fomba izay hamandrian'olona biby. Mbola miheritreritra ny fomba hamandriana olona hatrany izy amin'ny fananana ireo zavatra omena azy.
Eto ny "tanana" dia maneho hery sy fahefana. D.H: "avy amin'iza no tsy afahan'ny olona mitsoaka"
D.H: "hambabo ireo mpanota izy"
D.H: "fikaroan-javatra iray aorian'ny hafa"
D.H: "mba mahay manazava fiainana"
Olo-marina iray ihany no ita tao amin'ny vondrona 1,000 lahy. D.H: "olo-marina 1 teo amin'ny 1,0000"
Tsy nisy vehivavy marina iray hita teo amin'ny vondrona 1,000 vavy.
Mety midika 1) "efa nanao drafitry ny mpanota maro izy ireo" na 2) "Efa nankasarotra ny fiainany manokana izy ireo."
Eto ny teny "izy ireo" dia maneho ny "olombelona"
1 Iza no olon-kendry? Iza no mahalala ny dikan'ireo zava-miseho eo amin'ny fiainana? Ny fahendrena eo amin'ny olona dia mahatonga ny tavany ho miramirana, ary miova ny hamafin'ny tavany. 2 Manoro hevitra anao aho mba hankatò ny didin'ny mpanjaka nohon'ny fianianan'Andriamanitra hiaro azy. 3 Aza malaina amin'ny fanatrehana azy, ary aza mifikitra amin'ny fanaovan-dratsy, satria ny mpanjaka manao izay rehetra iriany. 4 Manjaka ny tenin'ny mpanjaka, ka iza no hiteny aminy hoe: "Inona ity ataonao?" 5 Na iza na iza mitandrina ireo didin'ny mpanjaka dia misoroka hatezerana. Ny fon'olon-kendry dia manaiky ny lalana iombonana sy ny fotoanan'ny fihetsehana. 6 Misy valiny marina sy fotoana hamaliana ny zavatra rehetra, satria lehibe ireo olan'ny olona. 7 Tsy misy mahalala izay ho avy manaraka. Iza no afaka hilaza aminy izay ho avy? 8 Tsy misy mpanapaka amin'ny fofon'ainy ka hampijanona ny fofon'aina, [1] ary tsy misy manan-kery amin'ny andron'ny fahafatesany. Tsy misy afaka amin'ny tafika mandritry ny ady, ary ny faharatsiana dia tsy hamonjy ireo izay andevon'izany. 9 Nahafantatra izany rehetra izany aho; nampihatra ny foko tamin'ny asa tsara rehetra izay natao tety ambany masoandro aho. Misy ny fotoana izay ampahorian'ny olona ny hafa amin'ny ratran'izany olona izany. [2]10 Ka hitako ny ratsy fanahy nalevina am-pahibemaso. Nalaina tamin'ny faritra masina izy ireo ka nalevina ary noderain'ireo mponina tao amin'ny tanàna izay nanaovan'izy ireo ny asa ratsiny. Izany koa dia tsy misy dikany. [3]11 Raha tsy tanteraka faingana ny didim-pitsarana hanohitra ny heloka bevava ratsy, dia mitaona ireo fon'olombelona hanao ratsy izany. 12 Na dia manao ratsy in-jato aza ny mpanota ary mbola velona mandritry ny fotoana maharitra, dia fantatro fa tsara ho an'ireo izay manaja an'Andriamanitra, izay manome voninahitra ny fanatrehany miaraka amin'izy ireo izany. 13 Fa tsy ho tsara ho an'ny olona ratsy fanahy izany; tsy haharitra ny fiainany. Ireo androny dia toy ny aloka mihelina satria tsy manome voninahitra an'Andriamanitra izy. 14 Mbola misy zava-poana hafa—zavatra hafa vita tety ambonin'ny tany. Ireo zavatra mitranga amin'ny olo-marina dia tahaka ny fitrangan'ireo amin'ny olona ratsy fanahy, ary tahaka ny itrangan'ireo zavatra amin'ny ratsy fanahy no itrangan'izany amin'ny olo-marina. Hoy aho hoe zava-poana ihany koa izany. 15 Koa mitaky ny hafaliana aho, satria tsy misy zavatra tsara azon'ny olona eny ambany masoandro noho ny mihinana sy misotro ary mifaly. Dia ny hafaliana no hanaraka azy any amin'ny asany amin'ny androm-piainany rehetra izay nomen'Andriamanitra azy ambany masoandro. 16 Raha nanefy ny foko hahalala ny fahendrena aho sy hahafantatra ny asa izay atao eto ambonin'ny tany, dia vita tsy amin-torimaso amin'ny alina na amin'ny atoandro matetika ny asa, 17 dia nandinika ireo asan'Andriamanitra rehetra aho, ary ny olona dia tsy afaka ny hahatakatra ny asa izay vita teto ambanin'ny masoandro. Na ahoana na ahoana ny hamaroan'ny asan'ny olona mba hahita ireo valiny, dia tsy hahita izany izy ireo. Na izany aza ny olon-kendry dia mety hino fa mahalala izy, nefa tsy dia tena mahalala akory.
Ny mpanoratra dia mangataka ireo ho fitariham-panontaniana hanomezana valiny amin'izay lazainy manaraka.
Ity dia midika fa ny tavan'olona dia hampiseho fa manana fahendrena izy. D.H: "miseho amin'ny endriny"
D.H: "ny hasarotan'ny endriny"
"ny fianianana nataonao teo anatrehan'Andriamanitra miaro azy"
D.H: "izay lazain'ny mpanjaka dia lalàna"
Mety midika 1) aza maika handao ny fanatrehany na 2) mampitoetra antsaram-panahy amin'ny mpanjaka, aza maika ny hiala aminy mankany an-kafa.
D.H: "tsy misy na iray hilaza aminy"
D.H: "tsy tokony hanao izay ataonao ianao."
Ny "fo" dia maneho saina. D.H: "manaiky ny olon-kendry"
Ity dia manamafy fa tsy misy na iray mahalala izay hitranga amin'ny hoavy. D.H: "Tsy miy na iray hiteny aminy izay ho avy."
Tsy misy na iray manana fahaizana hampitsahatra ny tenany avy amin'ny fofon'aina, tsy misy na iray afaka hanohy ny fiainany rehefa tonga ny foton'ny fahafatesana.
Ny mpanoratra dia miresaka ny faharatsiana toy ny hoe tompony izay nanana andevo.
D.H: "nanapa-kevitra aho" na "namboariko ny foko"
D.H: "karazana asa rehetra izay ataon'ny olona"
Ny olon-dratsy izay maty dia nomena fandevenana amboninahitra. Voalaza fa ny vatan'izy ireo dia tokony natsipy tany amin'ny tanàna fialofana na toy izany. D.H: "alevin'ny olona ampahibemaso ny olon-dratsy."
D.H: "Nalain'olona tamin'ny faritra masina izy ireo ka nalevina ary noderaina ireo"
D.H: "Raha tsy manala faingana ny didim-pitsarana hanohitra ny heloka bevava ny olona ao amin'ny fahefana"
Eto ny "fo" dia maneho olona. D.H: "mitaona ny maha olombelona"
D.H: "fotoana 100"
D.H: "mandeha tsara ny fiainana ho an'ireo izay manaja an'Andriamanitra"
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankaobeny ary natambatra ho fanamafisana.
D.H: "tsy ampaharetan'Andriamanitra ny fiainany"
Mety midika 1) ny mpanoratra dia mampitaha ny halavan'ny fiainan'olon-dratsy amin'ny aloka izay mandalo faingana na 2) ny hatsarana na ny hafalian'ny fiainana dia mihelina amin'ny olon-dratsy, tsy misy fananana ny fiainany.
"tsy misy dikany" na "zava-poana". Zavatra izay mitranga saingy tsy tokony ho izy. Toy ny zavatra tsara mitranga amin'ny olon-dratsy na zavatra ratsy mitranga amin'ny olona tsara.
D.H: "zavatra hafa izay ataon'ny olona ety ambonin'ny tany"
D.H: "fa Andriamanitra mamela azy hiaina."
Manefy ny sain'olona ary fanakarana amin'ny fanakarana zavatra. D.H: "nanapa-kevitra aho" na "namboariko ny foko"
D.H: "ny asa izay ataon'ny olona et ambonin'ny tany"
D.H: "tsy misy fatoriana"
Mety midika 1) "ny asa izay ataon'Andriamanitra eo ambany masoandro" na 2) "ny asa izay avelan'Andriamnitra ataon'ny olona eo ambany masoandro"
1 Fa nieritreritra ny momba izany rehetra izany tato an-tsaiko aho mba hahatakarako momban'ny olo-marina sy ny olon-kendry ary ireo asan'izy ireo. Eo am-pelatanan'Andriamanitra avokoa izy rehetra. Tsy misy na iza na iza mahalala na ho fitiavana na ho fankahalana no ho avy amin'ny olona iray. 2 Mitovy ny lahatry ny tsirairay. Mitovy ny lahatra miandry ny olo-marina sy ny olona ratsy fanahy, ny tsara, [1] ny madio sy ny maloto, ary izay manao sorona sy izay tsy manao sorona. Ho faty ny olo-marina, dia ho tahaka izany ihany koa ny mpanota. Ho faty izay mianiana, dia ho tahaka izany ihany koa ny olona izay matahotra manao fianianana. 3 Misy lahatra ratsy ho an'ny zavatra rehetra izay atao eto ambany masoandro, lahatra iray ho an'ny tsirairay. Feno ratsy ny fon'olombelona, ary ao am-pon'izy ireo ny fahadalana raha mbola velona koa izy ireo. Koa aorian'izany dia mankany amin'ny maty izy ireo. 4 Fa na iza na iza miombona amin'ny velona rehetra, dia misy fanantenana, tahaka ny mahatsara kokoa ny amboa velona noho ny liona maty. [2]5 Fa ny olombelona dia mahafantatra fa ho faty izy ireo, fa ny maty tsy mahafantatra na inona na inona. Tsy manana valisoa intsony izy ireo, satria efa adino ny fahatsiarovana azy ireo. 6 Ny fitiavana, ny fankahalana, ary ny fanirian'izy ireo dia efa nanjavona hatry ny ela. Tsy hanana toerana amin'ny zavatra rehetra izay atao ety ambany masoandro intsony izy ireo. 7 Mandehana amin'ny lalanao, hano am-pifaliana ny mofonao, ary sotroy amin'ny fo faly ny divainao, satria Andriamanitra dia manaiky ny fankalazana ireo asa tsara. 8 Aoka ho fotsy mandrakariva ny akanjonao ary aoka ho voahosotra amin'ny diloilo ny lohanao. 9 Miainà am-pifaliana miaraka amin'ny vady tianao amin'ny androm-piainanao rehetra mandalo foana, dia ireo andro izay nomen'Andriamanitra anao teny ambany masoandro mandritr'ireo andronao mandalo foana. Izany no valisoanao amin'ny fiainana noho ireo asanao teny ambany masoandro. 10 Na inona na inona hitan'ny tananao atao, dia hiasao amin'ny herinao izany satria tsy misy asa na fanazavana na fahalalana na fahendrena any amin'ny Fiainan-tsy hita, izay handehananao. 11 Efa nahita zavatra sasantsasany mahaliana teo ambany masoandro aho: Ny hazakazaka dia tsy an'ny olona haingam-pandeha. Ny ady dia tsy an'ny olona matanjaka. Ny mofo dia tsy an'ny olon-kendry. Ny harena dia tsy an'ny olon'ny fahazavan-tsaina. Ny sitraka dia tsy an'ny olon'ny fahalalana. Fa kosa, ny fotoana sy ny vintana dia miantraika amin'izy rehetra. 12 Fa tsy misy na iza na iza mahafantatra ny fotoana hahafatesany, tahaka ny hazan-drano izay tratra ao amin'ny haraton'ny fahafatesana, na tahaka ny vorona izay azon'ny fandrika. Tahaka ireo biby, ny olombelona dia gadra ao amin'ny fotoan-dratsy izay tonga tampoka amin'izy ireo. 13 Efa nahita fahendrena teo ambany masoandro ihany koa aho toy ny hoe lehibe tamiko izany. 14 Nisy tanàna kely iray izay vitsy olona tao aminy, ary nisy mpanjaka lehibe tonga nanao fahirano izany ary nanorina toerana fiakarana lehibe teo anilan'izany. 15 Ary nisy mahantra iray, lehilahy hendry hita tao amin'ilay tanàna, izay nanavotra ilay tanàna tamin'ny fahendreny. Nefa taty aoriana kely, dia tsy nisy nahatadidy io lehilahy mahantra io intsony. 16 Ka feheziko amin'ny hoe: "Tsara kokoa ny fahendrena noho ny tanjaka, kanefa natao tsinontsinona ny fahendren'ilay olo-mahantra, ary tsy re ireo teniny." 17 Ny teny malefaky ny hendry dia re tsara kokoa noho ny fitreron'izay mpanapaka eo amin'ny adala. 18 Ny fahendrena dia tsara kokoa noho ireo fitaovam-piadiana amin'ny ady, kanefa ny mpanota iray dia mety handrava tsara maro.
D.H: "nieritreritraz lalina ny momba izany rehetra izany aho."
Eto ny teny "izy ireo" dia maneho ny "marina sy ny olo-marina" toy ny " asan'izy ireo"
Eto ny teny "tanana" dia maneho ny hery sy fahefana. D.H: "eo ambany fifehezan'Andriamanitra"
D.H: "zavatra rehetra izay ataon'ny olona''
Eto ny teny "lahatra" dia maneho fahafatesana.
Eto ny teny "fo" dia maneho ny saina sy fihetseham-po. D.H: "feno faharatsiana ny maha olomberlona, ary very saina izy ireo."
D.H: "mankany amin'ny toeran'ny maty izy ireo" na "maty izy ireo"
D.H: "adinon'ny olona izy ireo"
D.H: "ny zavatra rehetra izay ataon'ny olona eo ambany masoandro
Ireo andian-teny roa ireo dia mizara dika mitovy ary manamafy ny lanjan'ny hafaliana amin'ny asa fototry ny fiainana.
D.H: "ankafizo ny mofonao"
Eto ny teny "fo" dia maneho fihetseham-po. D.H: "sotroy am-pifaliana ny divay nao"
Fiakanjo fotsy sy fanosorana menaka amin'ny lohan'olona dia samy manamarika ny hafaliana sy fankalazana.
D.H: "hosory amin'ny menaka ny lohanao"
Iray no afaka hitia ny vadiny izay ananany. D.H: "Satria ianao manambady izay tianao, miainà am-pifaliana miaraka aminy."
D.H: "Na inona na inona hain'ny tananao atao"
D.H: "ny maty tsy miasa na manazava na manana fahendrena"
"izay mitranga na rehefa mitranga izany k miantraika amin'izy rehetra"
Eto ny teny "izy rehetra" dia maneho hazakazaka, ady, mofo, harena, ary sitraka.
Ny fahafatesana dia misambotra ny olombelona rehefa tsy manantena izany izy ireo, tahaka ny fisamboran'ny olona ny biby rahefa tsy manantena izany izy ireo.
Mety midika 1) toe-javatra ratsy izay mitranga tampoka amin'izy ireo" na 2) "amin'ny fahafatesana no hahatratra tampoka azy ireo"
D.H: "nahita mahantra iray, lehilahy hendry, ny olona tao amin'ny tanàna," na "mahantra iray, lehilahy hendry nitoetra tao an-tanàna"
Hatramin'izay nampahantra ilay lehilahy, dia tsy tian'olona ny fahendren'ilay olo-mahantra, na nankatoa azy tamin'ny fahendreny. D.H: "ataon'olona tsinontsinona ny fahendren'ilay olo-mahantra"
Nitsahatra nihaino azy ny olona. D.H: "tsy henoin'izy ireo izay lazainy" na "tsy mandray ny toro-heviny izy ireo"
D.H: "dia takatra tsara kokoa"
1 Toy ireo fatin-dalitra izay mahamaimbo ny zava-manitra, dia toy izany koa no ahafahan'ny fahadalana kely mandresy ny fahendrena sy ny fankatoavana. 2 Ny fon'ny olon-kendry dia mirona miankavanana, fa ny fon'ny adala mirona miankavia. 3 Rehefa mandeha midina eny an-dalana ny adala, dia tsy ampy saina izy, manamarina amin'ny olona rehetra fa adala izy. 4 Raha miakatra manohitra anao ny fihetseham-pon'ny mpanapaka, aza mandao ny asanao. Ny fitoniana dia afaka mampangina fahatezerana lehibe. 5 Fa misy ny ratsy izay hitako teo ambany masoandro, karazana hadisoana avy amin'ny mpanapaka: 6 Ireo adala dia nomena toeram-pitarihana, raha ireo olona mahomby nomena toerana ambany. 7 Nahita andevo nitaingin-tsovaly aho, ary ireo olona mahomby nandeha an-tongotra teny amin'ny tany tahaka ny andevo. 8 Izay rehetra mihady lavaka dia mety hianjera ao amin'izany, ary na oviana na oviana misy olona mandrodana manda dia mety ho kaikerin'ny bibilava izy. 9 Izay rehetra manapaka vato dia mety ho voaratran'izany, ary ny olona izay manapaka hazo dia tandindonin'izany izy. 10 Raha dombo ny lelan'ny vy, ary ny olona tsy mandranitra izany, dia tsy maintsy mampiasa ny heriny bebe kokoa izy, fa ny fahendrena dia manome tombony ho amin'ny fahombiazana. 11 Raha manaikitra mialohan'ny nanasina ody ny bibilava, dia tsy misy tombony ho an'ny mpanao ody. 12 Ireo tenin'ny vavan'ny olon-kendry dia hatsaram-panahy, fa ny molotry ny adala dia mitelina azy ihany. 13 Tahaka ny teny manomboka mikoriana avy eo am-bavan'ny adala, no hivoahan'ny fahadalana, ary amin'ny farany ny vavany dia hikoriana fahaverezan-tsaina ratsy. 14 Ny adala mampitombo teny, fa tsy misy mahafantatra izay ho avy. Iza no mahalala izay tamy avy ao aoriany? 15 Ny fisasaran'ny adala dia manavesatra azy ireo, ka tsy fantany akory na dia ny lalana makany an-tanan-dehibe aza. 16 Loza ho anao, ry tany, raha tovolahy no mpanjakanao, ary raha manomboka manao firavoravoana amin'ny maraina ireo mpitarika anao! 17 Fa sambatra ianao, ry tany, raha ny zanaka lahin'ireo mendri-kaja no mpanjakanao, ary mihinana amin'ny fotoany ireo mpitarika anao, ho tanjaka, fa tsy ho amin'ny hamamoana! 18 Fa nohon'ny hakamoana no mampilatsaka ny tafo, ary nohon'ny fahalainan'ny tanana no mampitete ny trano. 19 Manomana sakafo ho amin'ny fihomehezana ny olona, ny divay mitondra fankafizana fiainana, ary ny vola mameno ny filan-javatra rehetra. 20 Aza manozona ny mpanjaka, na dia ao an-tsainao aza, ary aza manozona ny olona manan-karena ao amin'ny efitra fandrianao. Fa ny voron'ny lanitra mety hitondra ireo teninao; izay rehetra manan'elatra dia afaka manaparitaka ny raharaha.
Tahaka ny lalitra manimba fofona, ka ny adala manimba ny lazan'olona amin'ny fahendrena sy fankatoavana.
Eto ny teny "fo" dia maneho saina na olona. D.H: "Ny fomba hisainan'ny olo-kendry... ny fomba hisainan'ny adala."
Eto ny teny "ankavanana" sy "ankavia" dia mirona maneho izay tsara sy ratsy. D.H: "mirona makany amin'ny fanaovana izay tsara... mirona mankany amin'ny fanaovana izay ratsy.
D.H: "adala izy"
D.H: "Raha lasa tezitra aminao ny mpanapaka
D.H: "Manome toeram-pitarihana ho an'ny adala ny mpanapaka"
D.H: "omen'izy ireo toerana ambany ny olona mahomby"
ny asa dia tsy misy loza.
D.H: "Ireo vato ireo dia mety handratra aty"
Ohabolana maromaro.
Ny olona hendry dia tsy maintsy handranitra ny dombony ary tsy maintsy hanana asa tsy mafy.
D.H: "mialohan'ny nanasinan'ny bibilava hasina izany."
Nitohy ny Ohabolana.
D.H: "Ireo zavatra izay lazain'ny olon-kendry dia hatsaram-panahy"
Eto ny teny "mitelina" dia manana dikany amin'ny fapotehina. D.H: "Ireo zavatra izay lazain'ny adala dia mamotika ny tenany."
D.H: "Tahaka ny adala manomboka miteny"
D.H: "rehefa vita ny resany, dia miresaka fahaverezan-tsaina ratsy izy."
D.H "Ny adala mitazona ny firesany"
Ity dia manamafy fa tsy misy na iray mahalala izay hitranga amin'ny hoavy. D.H: "Tsy miy na iray hiteny aminy izay ho avy."
Ny mpanoratra dia mametraka ity fanontaniana ity mba hanamafisana fa tsy misy na iray mahalala izay hitranga amin'ny hoavy. D.H: "Tsy misy na ray mahalala izay tamy avy aoriany."
"mahatonga azy ireo mahatsapa harerahana"
Mety midika 1) fa ny olona adala dia lasa reraka avy amin'ny fiasana mafy izay tsy hahaizany mitady ny lalany etsy sy eroa, na 2) fa ny olona adala dia lasa reraka amin'ny fiasana mafy satria tsy fantany loatra izay handehanany mody.
Amin'ireo andininy ireo, miresaka amin'ny firenena toy olona ny mpanoratra.
ity dia midika fa tsy ampy trai-kefa ny mpanjaka na tsy matotra. Na izany aza, ireo dikan-teny sasany taty aoriana, dia nindrana ny teny Hebreo toy "ny mpanompo."
Ity dia milaza fa ny mpitarika dia be saina amin'ny fananana fotoana tsara noho ny miaraka amin'ny fitarihana ny firenena.
Ity dia milaza fa ny zanaka lahy dia efa nizatra tamin'ireo zokiny tamin'ny fanaon'ny vatana ilay mpanjaka tsara.
Ny olona kamo dia tsy mitahiry eo amin'ireo karazana fikojakojana tokan-trano.
D.H: "noho ny fahalain'ny olona"
D.H: "manomana sakafo ny olona mba hiomehezana."
D.H: "divay manampy ny olona hankafia ny fiainana"
Mety midika 1) "vola manome ho an'izay rehetra ilaina" na 2) "vola manome ny sakafo sy divay mitambatra."
"na dia ao amin'ny heritreritrao aza"
"olona manan-karena izay eo am-pandrianao." Ity dia midika fa tokony tsy hanozona olona manan-karena ianao na dia ao amin'ny toerana manokana izay tsy misy mahare aza.
Ireo tsipika roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary dia natambatra mba hanamafisana. Ny mpanoratra dia mampiasa fomba fiteny amin'ny vorona mba hilazana fa ny olona dia hitady izay efa nolazainao, fomba iray na hafa.
1 Alefaso eny ambonin'ny rano ny mofonao, fa ho hitanao indray izany afaka andro maromaro. 2 Zarao amin'ny olona fito izany, na dia olona valo aza, fa tsy fantatrareo izay hahatongavan'ireo loza amin'ny tany. 3 Raha feno ranon'orana ireo rahona, dia manafoana izany eny amin'ny tany ireny, ary raha mianjera mankany atsimo ny hazo iray na mankany avaratra, na aiza na aiza hianjeran'izany, dia eo no hitoeran'izany. 4 Mety tsy hamboly ny olona izay mijery ny rivotra, ary mety tsy hijinja ny olona izay mijery ireo rahona. 5 Toa anao izay tsy mahalala akory ny lalan'ny rivotra, na ny nitomboan'ny taolan'ny zaza tao an-kibon'ny bevohoka, [1] toy izany koa ianao tsy afaka mahatakatra ny asan'Andriamanitra, izay namorona ny zava-drehetra. 6 Amboleo amin'ny maraina ireo voanao; hatramin'ny hariva, miasà amin'ireo tananao araka izay ilaina, fa tsy fantatrao izay mety hanambina, na maraina na hariva, na ity na iry, na samy ho tsara avokoa ny roa tonta. 7 Mamy tokoa ny mazava, ary zavatra mahafinaritra ny maso ny mahita ny masoandro. 8 Raha misy olona miaina an-taonany maro, aoka izy ho faly amin'ireny rehetra ireny, nefa aoka izy hisaina ny momban'ireo andron'ny aizina ho avy, fa ho maro ireny. Ny zava-drehetra hitranga dia entona manjavona. 9 Mifalia, ry zatovo, amin'ny fahatanoranao, ary aoka ny fonao ho faly amin'ny andron'ny fahatanoranao. Manaraha ny faniriana tsaran'ny fonao, sy izay rehetra eo amin'ny hitan'ny masonao. Kanefa, fantaro fa Andriamanitra hitondra anao eo amin'ny fitsarana ny amin'ireo zavatra rehetra ireo. 10 Alaviro amin'ny fonao ny hatezerana, ary aza miraharaha akory ny fanaintainana eo amin'ny vatanao, satria ny hatanorana sy ny heriny dia zava-poana.
Mety midika 1) fa ny olona iray dia tokony halalan-tanana amin'ireo fananany ary avy eo mandray fahalalan-tanana avy amin'ny hafa(UDB) na 2) fa ny olona iray dia tokony hanome ny fananany rehetra ary hampisy tombony avy amin'izany.
Mety midika 1) mizara fananana amin'ny olona maro, na 2) manome ny fanananao rehetra amin'ny toerana isan-karazany.
D.H: "7, na dia 8" na "mizara"
Eto ny andian-teny "eo amin'ny tany" dia midika eo "amin'izao tontolo izao" na "ao amin'ny fiaraha-monina."
Eto ny andian-teny "eo amin'ny tany" dia midika "eto ambonin'ny tany"
D.H: "amin'ny toro-dalana rehetra"
Mety midika 1) Ny mpamboly rehetra izay matahotra rivotra dia tsy hamboly rehefa mitsoaka any amin'ny tsy izy ny rivotra." na 2) "ny mpamboly izay tena matahotra rivotra dia tsy hamboly zany mihitsy."
Mety midika 1) "Ny mpamboly rehetra izay matahotra rahona dia tsy hamokatra rehefa manorana izany." na 2) "ny mpamboly izay tena matahotra rahona dia tsy hahavokatra izany mihitsy."
Mety midika 1) "ny fomba hitomboan'ny zaza" na 2) ara-bakiteny, "ny fomba hitomboan'ny taolan-jaza."
D.H: manohy ny fiasana"
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy fa ny asan'olona dia hiroborobo, na tamin'ny fotoana manao ahoana no nahavitany izany. D.H: "na ny voa izay nambolenareo ny maraina, na ny voa izay nambolenareo ny hariva."
Eto ny teny "mazava" dia maneho ny fahaizana mijery masoandro ary koa ny olombelona. D.H: "ny mahay mijery masoandro dia mamy" na "velona dia mamy."
Ity andian-teny roa ity dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny toy ny andian-teny teo aloha. D.H: "fa ny olona mahita ny masoandro" na "velona."
Eto ny teny "ireny" dia maneho ireo taona izay hahaveloman'ny olona.
Eto ny teny "haizina" dia maneho fahafatersana. D.H: "hafiriana ny andro izay ho hahafatesany."
Eto ny teny "ireny" dia maneho ireo "andron'ny haizina". D.H: "Fa ho faty mandritry ny andro maro noho ny hahavelomany izy" na "fa ho faty mandrakizay izy."
Mety midika 1) "Zava-drehetra izay mitranga ao aorian'ny fahafatesana" na 2) "Zava-drehetra izay mitranga amin'ny hoavy."
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavtra mitovy amin'ny ankapobeny ary natambatra ho fanamafisana.
Eto ny teny "fo" dia maneho fihetseham-po. D.H: "mifalia"
Eto ny teny "fo" dia maneho siana na fihetseham-po. D.H: "Manaraha ireo zavatra tsara izay irianao" na "Manaraha ireo zavatra izay efa nanapahanao hevitra arahina"
D.H: "izay rehetra hitanao izay irianao" na "izay rehetra itanao dia ho tsara indrindra"
D.H: "Hanao fanisana amin'ny asanao rehetra Andriamanitra"
D.H: "Mandà ny ho tezitra"
1 Tsarovy ihany koa ny Mpahary anao amin'ny andron'ny fahatanoranao, mialohan'ny hiavian'ny andro sarotra, ary mialohan'ny hiavian'ny taona izay hitenenanao hoe: "tsy manana fankasitrahana ho azy ireo aho," 2 ataovy izany dieny mbola tsy hody aizina ny hazavan'ny masoandro sy ny volana ary ireo kintana, ary dieny mbola tsy miverina ny raho-mainty aorian'ny orana. 3 Amin'izany fotoana izany dia mangovitra ny mpiambina ny lapa, sy manjoko ny lehilahy mahery, ary mitsahatra ny vehivavy izay mitoto satria vitsy izy ireo, ary ireo izay mitazana eo am-baravaran-kely dia tsy mahita tsara intsony. 4 Amin'izany fotoana izany dia mirindrina ny varavaram-be eny amin'ny lalana, ary mijanona ny feon'ny fikosoham-bary, ho taitran'ny feom-borona ny lehilahy, ary malazo ny fihiran'ny feon'ny tovovavy. 5 Amin'izany fotoana izany dia manomboka matahotra ny hahavo sy ireo loza eny an-dalana ny lehilahy, ary mamelana ny hazo amygdala, sy miaraka mifampitarika ireo valala, ary tsy mandaitra ireo faniriana voajanahary. Mandeha any amin'ny tranony mandrakizay ny lehilahy ary midina an-dalambe ireo mpisaona. 6 Tsarovy ny Mpahary anao mialohan'ny hahatapahan'ny kofehy volafotsy, na hahavaky ny lovia volamena, na hahatorotoro ny siny amin'ny lohataona, na hahatapaka ny kodian-drano eo amin'ny lava-drano, 7 dieny mbola tsy miverina amin'ny tany izay nihaviany ny vovoka, ary ny fanahy miverina amin'Andiamanitra izay nanome izany. 8 "Ny enton-javona," hoy ny Mpitoriteny: "zava-poana dia zava-poana ny zavatra rehetra." 9 Ny Mpitoriteny dia hendry ary nampianatra fahalalana ny olona izy. Nianatra sy nandinika ary nandrindra ohabolana maro izy. 10 Ny Mpitoriteny dia nitady ny hanoratra fampiasana mazava tsara, teny mahitsin'ny fahamarinana. 11 Ireo tenin'ny olon-kendry dia tahaka ny tsindrona. Tahaka ireo fantsika tsara lentika ireo tenin'ireo tompo ao amin'ny fanangonan' ohabolan'izy ireo, izay nampianarin'ny mpiandry ondry iray. 12 Anaka, mahafantara zavatra bebe kokoa: ny fanamboarana boky maro, izay tsy misy fiafarany ary ny fianarana be dia mitondra faharerahana ho an'ny vatana. 13 Efa re ny fiafaran'ny raharaha aorian'ny zava-drehetra, dia tsy maintsy matahotra an'Andriamanitra ianao ary mitandrina ireo didiny, fa izany no andraikitra manontolon'ny olombelona. 14 Fa Andriamanitra hitondra ny asa rehetra ho amin'ny fitsarana, hatramin'ny zava-miafina rehetra, na tsara izany na ratsy.
D.H: "tadidio"
Eto ny teny "azy ireo" dia maneho an'ireo ''taona."
Ny mpanoratra dia mamaritra ilay trano amin'ny asa rehetra mitsahatra. Ity dia miseho ho fomba fiteny amin'ny vatan'olona ho lasa antitra.
"ny vehivavy izay mitoto vary mitsahatra amin'ny fitotoam-bary satria vitsy amin'izy ireo."
Manohy ny fomba fiteniny ny mpnoratra.
D.H: "arindran'ny olona ny varavaram-be izay eny amin'ny lalana"
D.H: "rehefa manaitra ny lehilahy ny feom-borona"
Manohy ny fomba fiteniny ny mpnoratra.
D.H: "'Rehefa tsy maniry intsony izay vita voajanahary ny olona"
Ny "hazo amygdala" dia hazo izay mamoy voninkazo fotsy amin'ny ririnina.
Ity dia maneho fahafatesana.
Mety midika 1) fa midina andalam-be ireo mpisaona miandry fandevenana, na 2) midina andalam-be ireo mpisaona mankany an-tranon'ilay olona izay maty.
"tadidio"
Ny mpanoratra mampitaha ny fahafatesana amin'ny karazan-javatra potika. Ny fahafatesana dia hanimba ny vatana tahaka ny loza tsy nahy manimba ireo zavatra rehefa ampiasain'izy ireo.
"misy manapaka ny kofehy fotsy volafotsy"
"misy mamaky ny lovia volamena"
"misy manorotoro ny siny"
"misy manapaka ny kodian-drano"
Eto ny teny "vovoka" dia maneho ny vatan'olombelona izay lasa potipotika.
"zava-drehetra dia fotoana fohy ihany, tahaka ny entona izay tsy hita."
"misaina lalina sy mandamina" na "misaina lalina sy manoratra"
Ny mpanoratra dia mampitaha ny mpitoriteny izay mampiasa ireo teniny mba hampianarana ny olona ho mpiandry izay mampiasa ny fitaovany hitarihana ny biby fiompiny.
"ny olon-kendry dia mankahery antsika anao fihetsika, tahaka ny tapa-kazo maranitra hitsindomana ny biby mba hietsika."
"tahaka anao miantehitra amin'ny fantsika efa naletika lalina, no hianteheranao ny ohabolana voasoratrin'ny olon-knedry."
"ireo tenin'ireo izay traikefa amin'ny fanangonana ny ohabolana"
"izay ampianarin'ny mpiandry iray"
"tsy mitsahatra manao boky ny olona"
"mandreraka olona"
"ny valiny farany amin'ny raharaha"
D.H: "taorian'ny zava-drehetra renao"
1 Ny tonon-kiran'ireo Tononkira, izay an'i Solomona. Ilay zatovovavy miresaka amin'ilay tiany, 2 aoka mba hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavanao ianao, satria tsara kokoa noho ny divay ny fitiavanao. 3 Ny menaka fanosoranao dia manim-pofona; ny anaranao dia toy ny ranomanitra voaidina, ka tian'ireo zatovovavy ianao. 4 Ento miaraka aminao aho, ary hihazakazaka isika. Ilay tovovavy miresaka amin'ny tenany fa nentin'ny mpanjaka tao an'efitranony aho. Ilay tovovavy miresaka amin'ny tenany hoe faly aho; mifaly ny mombanao aho; aoka aho hankalaza ny fitiavanao; tsara kokoa noho ny divay izany. Voajanahary amin'ireo vehivavy hafa ny mitia anao. Ilay vehivavy miresaka amin'ireo vehivavy hafa. 5 Mivalomainty aho fa maha-te ho tia, ianareo ry zanaka vavin'ireo lehilahin'i Jerosalema— mivalomainty tahaka ny lain'i Kedara, maha-te ho tia tahaka ireo lamban'i Solomona. 6 Aza mibanjina ahy fa mivalomainty aho, satria azon'ny masoandro. Tezitra tamiko ireo zanaka lahin'ny reniko; nataon'izy ireo mpiambina ny tanim-boaloboka aho, nefa ny tanim-boaloboko tsy mba nandrasako. Ilay vehivavy miresaka amin'ilay tiany. 7 Lazao ahy, ry ilay tiako, aiza no hanomezanao sakafo ho an'ireo ondry aman'osinao? Aiza no hampandrianao ireo ondry aman'osinao rehefa mitataovovonana? Nahoana aho no tokony ho tahaka ny olona izay mirenireny anilan'ny ondry aman'osin'ny namanao? Mamaly azy ilay tiany. 8 Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin'ireo vehivavy, dia araho ny lalan'ny ondry aman'osiko, ary fahano eo akaikin'ireo lain'ireo mpiandry ondry ny zanak'osinao. 9 Ampitahaiko amin'ny soavaly vavy eo amin'ireo soavaly mpitarika ny kalesin'i Farao ianao, ry tiako. 10 Mahatsara ny tarehinao ireo firavaka, ny vozonao amin'ireo firavaka voatohy. 11 Hanaovako firavaka volamena misy kitrony volafotsy ianao. Ilay vehivavy miresaka amin'ny tenany. 12 Raha mbola nandry teo am-pandriany ny mpanjaka, dia namerovero ny nardako. 13 Amiko ny malalako dia toy ny miora am-pehezana izay mandany ny alina eo an-tratrako. 14 Amiko ny malalako dia toy ny vonin'ny kofera eo an-tanim-boalobok'i En-jedy. Ilay tiany miresaka aminy. 15 Indro, tsara tarehy ianao, ry tiako; indro, tsara tarehy ianao; tahaka ny voromailala ny masonao. Ilay vehivavy miresaka amin'ilay tiany. 16 Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako, tena tsara tarehy. Ny zava-maniry maitso mavana dia atao fandriantsika. 17 Ny andrin'ny tranontsika dia sampan-kazo sedera, ary sampan-kesika sakamandimbin'ny tranontsika.
Manomboka eo amin'ny 1:2 ny fizarana voalohan'ny boky.
"Ny tonon-kira tsara indrindra" na "Ny tononkira Fatratra Indrindra"
"izay momba an'i Solomona" na "izay misy an'i Solomona"
"Ny menaka izay ataonao amin'ny vatanao"
"mamofona tsara"
Fantatr'ilay vehivavy fa tsara laza ny malalany. DH: "mahafinaritra tahaka ny fofo-menaka izay araraky ny olona ny anaranao."
"Ento manaraka anao aho." Ny teny hoe "aminao" dia manondro ilay tia.
Ny teny hoe "isika" dia manondro ilay tovovavy miaraka amin'ny malalany.
"noho ianao"
"aoka aho hidera"
"Ny rehetra izay tia anao dia tsy diso"
"Mivalomainty ny hoditro, nefa mbola tsara tarehy ihany aho"
Ireo foko mpifindra monina any Kedara dia nampiasa hoditr'osy mainty mba hananganana ny tranon'izy ireo. Ampitahain'ilay vehivavy amin'ny an'ireo lay ny hodiny.
Ampitahainy amin'ireo lamba tsara novokarin'i Solomona na ho an'ny lapany manokana na ho an'ny Tempoly ny hodiny.
"may"
"Ireo rahalahy tsy iray ray amiko." Ireo rahalahy ireo dia mety hoe iray reny tahaka ilay vehivavy ihany fa tsy iray ray.
"olona izay mikarakara ny tanim-boaloboka"
Ampitahain'ilay vehivavy amin'ny tanim-boaloboka ny tenany. DH: "nefa tsy mba afaka ny hikarakara ny tenako aho."
"hampihinanao ireo ondry aman'osinao"
"hampitsaharana ny ondry aman'osinao"
DH: "Lazao ahy amin'izay aho mba tsy mila mirenireny eo amin'ireo ondry aman'osin'ireo namanao rehefa mitady anao."
"mandeha manodidina"
"sakaiza" na "mpiara-miasa"
"manaraha aorian'ny ondry aman'osy"
dian'ireo kitron'ny ondry aman'osy amin'ny tany
"hampihinano ireo zanak'osinao" na "aoka hihinana ireo zanak'osinao"
Manohy miteny ny malalan-dravehivavy.
"ilay tiako"
Ampitahain'ilay tia amin'ny soavaly vavy tsara ilay tovovavy.
"Ireo soavalin'i Farao izay mitarika ny kalesy"
"misy pentina volafotsy"
"nipetraka teo an-databany"
"namoaka ny fofony manitra"
menaka izay azon'ny olona avy amin'ny narda na hazona narda (zava-maniry mani-pofona izay misy voninkazo mavokely sy fotsy) lafo vidy ary nampiasaina mba hanalefahana ny hoditr'izy ireo mba hahazoana fofona mahafinaritra.
"Ho ahy, ny malalako dia toy ny"
"mandry eo an-tratrako ny alina tontolo." Manisy fatrana miora kely eo amin'ny tratrany ireo vehivavy mba hampisy fofona mahafinaritra izany hatrany.
voninkazo avy amin'ny hazokely any an'efitra izay nampiasain'ny olona atao ranomanitra
Ny teny hoe "Indro" eto dia manindry kokoa ny manaraka. DH: "Eny tokoa"
Ny voromailala dia famantarana ny fahadiovana, tsy fananan-tsiny, fahalefahana sy fitiavana. DH: "malefaka sy maha-te ho tia tahaka ny masom-boromailala ny masonao.
Ny teny hoe "Indro" eto dia manindry kokoa ny manaraka. DH: "Eny tokoa"
"tsara jerena" na "maha-te ho tia" na "tsara"
zava-maniry izay maitso, mando, ary maniry be
"no fandriantsika". Soritsoritan'ilay vehivavy toy ny hoe fandriany ny fomba handrian'izy ireo amin'ny zava-maniry maitso mavana any ivelany
Soritsoritan'ilay vehivavy toy ny hoe tranon'izy ireo ny ala. DH: "Ireo sampan-kazo sedera dia tahaka ny andrin'ny tranontsika.
vata-kazo lehibe izay manohana ny trano rehetra
"ary ny sampan-kesika dia tahaka ny sakamandimbitsika"
tapa-kazo izay mihazona ny tafon-trano
1 Izaho dia voninkazo eny amin'ny lemaka fotsiny ihany, lilia eny amin'ny lohasaha fotsiny ihany. Ilay lehilahy dia miresaka aminy 2 Tahaka ny lilia eo amin'ireo tsilo, dia toy izany ianao, ry tiako, eo amin'ireo zanaka vavin'ireo olon'ny tanànako. Ilay vehivavy dia miresaka amin'ny tenany 3 Tahaka ny hazo paiso izay eo amin'ireo hazon'ny ala, dia toy izany koa ny olon-tiako eo amin'ireo zatovolahy. Mipetraka eo ambanin'ny alokany amin'ny hafaliam-be aho, ary ny voany dia mamy ao am-bavako. 4 Mitondra ahy any amin'ny trano amin'ny fanasam-be izy, ary ny fanevany amiko dia fitiavana. Ilay vehivavy dia miresaka amin'ilay tiany. 5 Velomy amin'ny mofomamy misy voaloboka aho ary velombelomy amin'ny paiso, fa mararim-pitia. Ilay vehivavy dia miresaka amin'ny tenany 6 Ny tanany havia dia eo ambanin'ny lohako, ary ny tanany havanana dia mamihina ahy. Ilay vehivavy dia miresaka amin'ny vehivavy hafa 7 Tiako mba hampanantena ianareo, ry zanaka vavin'i Jerosalema, amin'ny alalan'ny gazela sy ireo serfa vavy any an-tsaha, fa ianareo dia tsy hanapaka ny firaisana ara-nofonay raha tsy tapitra izany. Ilay vehivavy dia miresaka amin'ny tenany 8 Injany ny feon'ilay tiako! Endrey, iny tamy iny izy, mandingandingana ireo tendrombohitra, mitsambikina amin'ireo havoana. 9 Ilay malalako dia tahaka ny gazela na diera mbola tanora; indro, izy dia mitsangana ao ambadiky ny rindrinay, mitazana eo amin'ny varavaran-kely, mipoitra eo amin'ny makarakara. 10 Miresaka amiko ilay malalako manao hoe: "Mitsangàna, ry ilay tiako; Ry ilay tsara tarehiko, andao hiaraka amiko. 11 Indro, efa lasa ny ririnina; efa nitsahatra ny orana ary efa lasa. 12 Efa mitsiry amin'ny tany ireo voninkazo; efa tonga ny fotoana fandrantsanana sy ny siokan'ireo vorona, ary ny feon'ireo voromailala dia re ety amin'ny tanintsika. 13 Mahamasaka ny aviavy maitsony ireo hazon'aviavy, ary mamony ireo voaloboka; mamoaka ny hanitrany izy ireo. Mitsangàna, ry tiako, ry ilay tsara tarehiko, ary andao. 14 Ry voromailalako, eo an-tsefatsefaky ny vatolampy, eo an-tsefatsefaka miafin'ireo tendrombohitra harambato, dia avelao hahita ny endrikao aho. Avelao handre ny feonao aho, fa malefaka ny feonao, ary maha-te ho tia ny endrikao." Ilay vehivavy dia miresaka amin'ny tenany 15 Sambory ho antsika ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo mbola kely izay mamotika ireo tanim-boalobotsika, satria mamony ireo voalobotsika. 16 Ahy ny malalako, ary azy aho; mihinana eny amin'ireo lilia amin-kafaliana izy. Ilay vehivavy dia miresaka amin'ilay tiany 17 Mandehana, ry ilay malalako, alohan'ny rivotra malefaka mitsoka amin'ny mangiran-dratsy sy ireo aloka miserana. Mandehana, aoka ho tahaka ny gazela na diera mbola tanora eo amin'ireo tendrombohitra mikitoantoana ianao.
Ampitahain'ilay vehivavy amin'ny voninkazo eny amin'ny lemaka ny tenany mba hanindriana fa izy dia tovovavy mahazatra sy malefaka avy amin'ny tanàna izay tsy mendrika ny haben'ny fanehoam-pitiavana izay omen'ny malalany azy akory.
fari-tany izay fisaka, tsy misy hazo, ary hanirian'ny karazan'ahitra sy voninkazo maro isan-karazany
Ampitahain'ilay vehivavy amin'ny lilia eny an-dohasaha toy ny antony ampitahany ny tenany amin'ny voninkazo eny amin'ny lemaka ihany ny tenany.
voninkazo tsara fofona izay miendrika trompetra
Io dia manondro faritra tena lehibe sy mahitsy anelanelan'ireo tendrombohitra.
Tian'ilay lehilahy ho lazaina fa tsara tarehy sy sarobidy lavitra noho ireo tovovavy hafa rehetra ilay vehivavy, toy ny lilia izay tsara sy sarobidy lavitra noho ny hazokely misy tsilo rehetra izay mety manodidina izany
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:9.
"ireo tovovavy hafa"
Tahaka ny hazo paiso izay tena mampahery sy mahafinaritra noho ny hazo hafa rehetra any an'ala no mampahery sy mahafinaritra ny malalan-dravehivavy noho ny tovovavy hafa rehetra.
hazo izay mamokatra voa kely mavo izay tena mamy
Mahita hafaliana be sy faherezana ilay vehivavy fa eo akaikin'ny malalany.
Ampitahain'ilay vehivavy amin'ny voankazo mamy ny fampifalian'ny malalany.
efitrano tena lehibe izay nihinanan'ny olona sakafo be sy nankafizana ny fitsidihana miaraka amin'ny tsirairay
Ny "faneva" dia tapa-damba lehibe izay notazonin'ny olona teo anoloan'ny tafika mba hitarihana ny lalana sy hanomezana hery ho an'ireo lehilahy hafa
Mety natahotra ny hiditra tao amin'ny trano amin'ny fanasam-be ravehivavy, nefa ny fitiavan'ny malalany dia naneho azy ny lalana sy namporisika azy mba hiditra. DH: "nefa ny fitiavany dia nitari-dalana ahy sy nanome hery ahy tahaka ny faneva."
"Avereno ny heriko" na "Omeo tanjaka aho"
"amin'ny famahanana mofomamy vita amin'ny voaloboka izay miraikitra eo amin'ny lasitra fisaka ahy" na "amin'ny fanomezana mofomamy misy voaloboka ahy"
"tohano amin'ny fanomezana paiso ahy aho" na "ampio amin'ny fanomezana paiso ahy aho"
"satria mahery ny fitiavako ka mahatsiaro ho malemy aho."
"sandry havia...sandry havanana"
"mihazona ahy"
"ireo tovovavin'i Jerosalema"
Ireo biby any an-tsaha ireo dia menatra sy saro-kenatra, nefa miaina fahalalahana tanteraka.
biby izay mitovy be amin'ny serfa ary faingana, mahia, sy saro-kenatra
"izay miaina any ambanivohitra"
"tsy hanapaka anay raha manao firaisana ara-nofo mandra-pahavitanay izany"
"tsy hanembatsembana" na "hanakorontana"
Manomboka eto ny Fizarana Faharoa amin'ny boky
Ny teny hoe "Endrey" eto dia manasongadina izay manaraka. DH: "Eny tokoa"
"mandingandingana ireo tendrombohitra, mihazakazaka mafy amin'ireo havoana." Mihazakazaka mafy sy tsara tahaka ny gazela ilay tiana, na dia eo amin'ny kianja marokorokon'ireo tendrombohitra sy havoana aza.
Ampitahain'ilay vehivavy amin'ny gazela sy serfa mbola tanora ny malalany satria faingana, tsara tarehy, sy soa tahaka ireo biby ireo izy.
Jereo ny nandikanao ny hoe "gazela" ao amin'ny 8:2.
"zanaka serfa" na "serfa vavy mbola tanora"
Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa nahita zavatra mahaliana ravehivavy.
"nijery teo am-baravaran-kely"
"tao amin'ny lafin'ny rindrinay ambadika." Tao an-trano ilay vehivavy ary tao ivelan'ny trano ny malalany.
Ny hoe "-nay" dia manondro ilay vehivavy sy ny olona hafa ao an-trano izay miaraka aminy.
"nipoitra teo amin'ny makarakara izy"
hazo lava misadika izay nofaretin'ny olona miaraka mba hamoronana rakotra ho an'ny varavarankely na fidirana hafa
"Miarena"
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:9.
Ny teny hoe "Indro" eto dia manindry izay manaraka. DH: "Eny tokoa"
Ao Israely, dia mandritra ny ririnina ihany ny orana.
DH: "Hitanao ireo voninkazo" na "Mahita ireo voninkazo ny olona"
"manerana ny tany rehetra"
"ny vanin'andro handrantsanana"
"sy izay hihiran'ireo vorona"
manapaka ny rantsana amin'ny zava-maniry mba hamokatra voa kokoa na ho tsara endrika kokoa izany
DH: "afaka mandre ny voromailala mitoloko" na "afaka mandre ny feon'ireo voromailala ny olona"
"ireo voaloboka mamelana" na "ireo voaloboka misy voninkazo"
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo vony eo amin'ireo voaloboka.
"fofona tsara"
Miteny ny malalan'ilay vehivavy.
Ampitahain'ilay malalan-dravehivavy amin'ny voromailala ilay vehivavy satria manan'endrika tsara sy feo tsara tahaka ny voromailala izy ary satria tsy maintsy miaraka aminy eo amin'ny toerana izay lavitra ny olona hafa tahaka ny hitoeran'ireo voromailala amin'ny toerany lavitra ny olona izy.
"ireo toeran'ny harambato miafina". Ny sefatsefaka dia harambato lehibe ankilan'ny vatolampy tendrombohitra.
"eo amin'ny toerana miafina eo amin'ny lafin'ny hantsan'ny tendrombohitra." Io andianteny io dia manoritsoritra ny toerana izay tian'ilay tiana hahitana ny endrik'ilay vehivavy.
"ny toe-batanao" na "ny bikanao" na "ohatry ny ahoana ianao"
Io dia mety midika ihany koa hoe "amboadia". Ireo biby ireo dia miendrika aliaka kely ary matetika ampiasaina ao anatin'ny hai-kantom-pitiavana mba hanehoana tovolahy mavitrika izay manimba tovovavy.
Ny teny hoe "antsika" dia mety manondro 1) ilay vehivavy sy ny malalany na 2) ilay vehivavy sy ny fianakaviany rehetra.
"amboahaolo tanora." Ny amboahaolo dia miteraka amin'ny ririnina rehefa mamony iny ireo voaloboka.
"izay nandringana" na "izay nandrava." Manimba ireo tanim-boaloboka amin'ny fandavahana lavaka sy fihinanana ireo voaloboka ny amboahaolo sy ny amboadia. Io ihany koa dia mety anambarana ireo tovolahy izay manimba ireo tovovavy.
Io dia mety manambara tovovavy efa afaka manambady sy miteraka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:12.
"misakafo" na "miraoka ahitra." Ampitahain'ilay vehivavy amin'ny biby izay mihinana zava-maniry eo amin'ireo lilia, tahaka ny gazela na diera tanora ny malalany.
ampahan'ny andro izay hiposahan'ny masoandro
Soritsoritan'ilay vehivavy toy ny hoe mitsoaka ny fahazavan'ny masoandro ireo aloka. DH: "manjavona ireo aloka."
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:8.
Karazana serfa mahia-tahaka ny biby manan-tandroka lava miolaka
serfa lahy lehibe
"be vato" na "marokoroko"
1 Amin'ny alina eo am-pandriako dia naniry ilay iray izay tiako aho; nitady azy aho, nefa tsy hitako izy. 2 Hoy aho tamin'ny tenako hoe: "Hitsangana aho ary handeha any amin'ny tanàna, amin'ireo lalana sy ireo kianja; hitady ny malalako aho." Nitady azy aho, nefa tsy nahita azy. 3 Hitan'ireo mpiambina aho raha nihodidina ny tanàna izy ireo. Nanontany azy ireo aho hoe: "Hitanareo ve ny malalako?" 4 Fotoana vitsy monja taorian'ny nandalovako teo amin'izy ireo no nahitako ilay iray izay tian'ny fanahiko. Nihazona azy aho ary tsy namela azy handeha mandra-pitondrako azy tany an-tranon'ny reniko, ao amin'ny efitrano fatorian'ilay iray izay niteraka ahy. Ilay vehivavy miresaka amin'ireo vehivavy hafa. 5 Tiako hianiana ianareo, ry zanaka vavin'ny lehilahin'i Jerosalema, amin'ireo gazela sy ireo vokatr'ireo saha, mba tsy ho tapahanareo ny fiaraha-mandrinay raha tsy vita izany. Ilay tovovavy miteny amin'ny tenany. 6 Inona ireny miakatra avy amin'ny tany efitra toy ny andrin-tsetroka, manim-pofona miora sy ditin-kazo manitra, miaraka amin'ireo vovoka rehetra amidin'ireo mpivarotra ireny? 7 Indro, fandrian'i Solomona izany; mpiady enimpolo no manodidina izany; dia ireo miaramila enimpolon'Israely. 8 Manan-traikefa amin'ny sabatra izy ireo ary mahay miady. Manana ny sabany eo am-balahany avy ny olona rehetra, mitam-piadiana hanohitra ny fampihorohoron'ny alina. 9 Nanao seza filanjana vita tamin'ny hazo avy any Libanona ho azy i Solomona mpanjaka. 10 Ny tsangatsangan'izany dia vita tamin'ny volafotsy; ny lamosiny dia vita tamin'ny volamena, ary ny fipetrahana tamin'ny fitafy volomparasy. Ny tao anatiny dia nohaingoin'ireo zanaka vavin'ireo lehilahin'i Jerosalema tam-pitiavana. Ilay zatovovavy miresaka amin'ireo vehivavin'i Jerosalema 11 Mivoaha, ry zanaka vavin'ireo lehilahin'i Ziona, ary mandiniha an'i Solomona mpanjaka, mitondra ny satro-boninahitra izay nampisatrohan'ny reniny azy tamin'ny andron'ny fanambadiany, tamin'io androm-pifalian'ny fiainany io.
Naverimberina io mba hanasongadinana.
"tiako hiaraka aminy" na "nalahelo azy"
Jereo ny nandikanao ny hoe "izay tian'ny fanahiko" ao amin'ny 1:7.
"nandeha nanerana ny tanàna"
Ny teny hoe "kianja" dia manondro ny faritra afovoan'ny tanàna izay hihaonan'ny lalambe sy ny lalana. Izany matetika dia faritra izay ivarotan'ny olona zavatra, tsena, ary toerana izay hihaonan'ny olona miaraka mba hiresahana.
"mikaroka"
ireo lehilahy izay miasa miambina ny tanàna amin'ny alina mba hiaro ny olona
"izay nanerana ny tanàna" na "izay nandeha nanodidina ny tanàna"
"efitrano fandriana"
"ilay izay bevohoka ahy" na "ilay izay nitondra ahy tao am-bohoka." Io dia manondro ny reniny.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:7.
Manomboka eto ny Fizarana Fahatelon'ny Boky
Mandeha avy any an'efitra ho any Jerosalema ny vondron'olona. Satria iva noho ny lohasahan'i Jordana ny tany efitra ary avo eo amin'ireo tendrombohitra i Jerosalema, dia tsy maintsy miakatra mba hahatongavana any Jerosalema ny olona.
Satria namovoka be teny amin'ny rivotra ny olona rehefa nandeha, dia toy ny setroka ny vovoka rehefa jerena lavitra. DH: "miaraka amin'ny andian-tsetroka miakatra."
DH: "manodidina izany ny fofona tsaran'ny setroky ny miora sy ny ditin-kazo manitra."
DH: "ary ny ny fofona tsaran'ny setroky ny vovoka rehetra izay amidin'ireo mpivarotra."
vovoka madinika nopotipotehana avy tamin'ny zavatra mafy
Io teny io eto dia maneho fa efa fantatrin'ny mpiteny ny valin'ny fanontaniana ao amin'ny andininy faha-6.
Io dia manondro ny fandriana misy rakotrany izay azo lanjaina avy amin'ny toerana iray ho amin'ny toerana iray hafa.
Ireo andianteny roa ireo dia manondro ireo olona enimpolo ihany. Ilay andianteny faharoa dia manazava fa ireo "mpiady" dia "ireo miaramilan'i Israely."
lehilahy izay miady
"ao an'ady"
"mba hiambenana amin'ny" na "mba hiadiana"
Io dia manambara izay loza mety hanjo mandritra ny fahamaizinan'ny alina, toy ny mpandroba.
seza izay misy bao lava izay ataon'ny olona filanjana olona manan-danja
Ny teny hoe "izany" dia manondro ny seza filanjana an'i Solomona Mpanjaka.
Ny teny hoe "tsangatsangana" eto dia manondro ireo tapa-kazo izay mihazona ny lain'akanjo manodidina ny sezany.
"Ny anatin'izany dia"
"natao tsara tam-pitiavana" na "natao peta-kofehy tam-pitiavana." Io dia manondro fa nanatsara ny filanjana tamin'ny fomba miavaka ireo vehivavy mba hanehoana ny fitiavan'izy ireo an'i Solomona.
"jereo i Solomona mpanjaka." Ny teny hoe "mandinika" dia midika hoe mijery olona na zavatra mandritra ny fotoana maharitra, matetika misy fihetseham-po mafy izany.
"manao ny satro-boninahitra"
1 Endrey, tsara tarehy ianao, ry malalako; tsara tarehy ianao. Ny masonao dia voromailala ao ambadiky ny voalinao. Ny volonao dia tahaka ny andian'osy midina avy eny an-tendrombohitr'i Gileada. 2 Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy vao naratana, miakatra avy any amin'ny toerana fandroana. Samy kambana avy ireo, ary tsy misy banga. 3 Ny molotrao dia tahaka ny kofehy jaky; maha-te ho tia ny vavanao. Tahaka ny hasin'ampongabendanitra ny takolakao ao ambadiky ny voalinao. 4 Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon'i Davida voaorina eny amin'ny filaharam-bato, miaraka amin'ny ampinga arivo mihantona eo amin'izany, dia ny ampingan'ireo miaramila rehetra. 5 Ny nononao roa dia tahaka ny diera roa, gazela kambana, miraoka eny amin'ireo lilia. 6 Ambara-pahatongan'ny vao mangiran-dratsy ka mandositra lavitra ny aloka, dia handeha ho any an-tendrombohitry ny miora sy any amin'ny havoan'ny ditin-kazo manim-pofona aho. 7 Tsara tarehy amin'ny lafiny rehetra ianao, ry malalako ary tsy misy kilema aminao. 8 Miaraha amiko avy any Libanona, ry ilay ampakariko. Miaraha amiko avy any Libanona; tongava avy any an-tampon'i Amana, avy any an-tampon'i Senira sy Hermona, avy any an-davaky ny liona, avy any amin'ny tendrombohitra lavaky ny leoparada. 9 Lasanao ny foko, ry havako, ry ilay ampakariko; lasanao ny foko, tamin'ny fijery iray monja taty amiko, tamin'ny firavaka iray monja teo amin'ny vozonao. 10 Endrey ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havako, ry ilay ampakariko! Endrey ny hatsaran'ny fitiavanao mihoatra ny divay, sy ny fameroveron'ny ranomanitrao mihoatra noho izay zava-manitra rehetra. 11 Ny molotrao, ry ilay ampakariko, dia mitete tantely; tantely sy ronono no ao ambanin'ny lelanao; ny fameroveron'ny akanjonao dia tahaka ny fameroveron'i Libanona. 12 Ry havako, saha voahidy ilay ampakariko, eny saha voahidy, loharano voatombo-kase. 13 Ny sampanao dia ala kelin'ampongabendanitra misy voankazo voafantina, ary moina sy narda, 14 Narda sy safrona, veromanitra sy kanelina miaraka amin'ireo karazana hanitra rehetra, dia miora sy havozo mbamin'ireo zava-manitra tsara indrindra rehetra. 15 Sahan-doharano ianao, fantsakan-drano madio, rian-drano mikoriana avy any Libanona. Ilay tovovavy miteny amin'ny malalany hoe: 16 Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry rivotra avy any atsimo; tsofy ny sahako mba hampiely ny fameroveron'ny fofony manitra. Enga anie ka ho tonga ao amin'ny sahany ny malalako ka hihinana ny sasany amin'ny voankazo voafantiny.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:15.
Ny osy matetika dia mainty ny lokony ary rehefa mandeha eny an-tendrombohitra ireo dia toy ny onja lava eo amin'ny volom-behivavy ny volon'izany.
Rehefa avy notapahina ny volon'ireo ondry, dia sasaina ireo ka toy ny fotsy be ny hoditr'ireo. Io andianteny io dia mampitaha ny hafotsin'ny nifin'ilay vehivavy amin'ny hazavan'ny hafotsian'ny volon'ondry rehefa avy netezana ny volony.
DH: "andian'ondrivavy izay notapahin'ny olona ny volony."
Io dia midika fa miakatra mivoaka avy ao amin'ny rano ireo ondrivavy. DH: "izay miakatra mivoaka avy ao amin'ny rano rehefa avy nosasain'ny olona ireo."
Matetika ny ondry dia miteraka zanak'ondry roa indray mandeha. Ireo zanak'ondry kambana ireo matetika dia mitovy. Ny nifin'ilay vehivavy tsirairay dia misy nify iray mifanandrify amin'ny ilan'ny vavany. Koa toy ny hoe misy kambana tahaka ny zanak'ondry ny nify tsirairay.
Tsy misy tsy manana nify mifanandrify aminy amin'ny ilany ireo nify. Tsy mbola nisy nify niala tamin-dravehivavy.
Very ny tiana izay maty.
Manohy midera ilay vehivavy ilay tia.
Io andianteny io dia mampitaha ny lokon'ny molotr'ilay vehivavy amin'ny kofehy jaky. DH: "dia mena midorehitra toy ny kofehy jaky."
loko mena midorehitra izay tena mitovy amin'ny lokon'ny rà
"tsara tarehy"
Ny ampongabendanitra dia malama, boribory, ary feno loko mena. DH: "dia feno raozy sy boribory tahaka ny hasin'ampongabendanitra roa."
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:1.
Manohy midera ilay vehivavy ilay tia.
DH: "ny vozonao dia lava sy tsara tahaka ny"
"izay namboarin'i Davida"
Nanana rojo izay nandrakotra ny vozony manontolo amin'ny haingo milahatra ireo vehivavy. Ampitahain'ilay tia amin'ny filaharam-bato amin'ny tilikambo ireo haingo milahatra ireo. DH: "izay misy filaharam-bato maro be."
Ampitahain'ilay tia amin'ny ampinga mihantona eo amin'ny tilikambo ny haingon'ireo rojom-behivavy.
"ampinga 1.000"
"ireo ampinga rehetra izay an'ireo mpiady mahery"
Tsara tarehy ny nonon-dravehivavy, mifanandrify ary malefaka tahaka ny zanaka diera roa na zanaka gazela roa.
Zanaky ny reniny izay niteraka zanany roa indray mandeha
Jereo ny nandikanao ny "gazela" ao amin'ny 2:7.
"mihinana ahitra eo amin'ireo lilia." Ireo biby tsara sy ny zanaka gazela dia tsara kokoa rehefa manodidina azy ireo ny lilia.
Manohy midera ilay vehivavy ilay tia.
Jereo ny nandikanao io andalana io ao amin'ny 2:16 izay mitovy amin'io ihany ny fehezanteny.
Manambara ny faniriana ny hankafy ny nonon-dravehivavy amin'ny fampitahana izany amin'ny tendrombohitra na havoana izay tiany ny tia. Boribory sy mihoatra tahaka ny tendrombohitra na havoana ny nonony. Manitra tahaka ny miora sy ditin-kazo manitra ireo.
Ireo andalana ireo dia mamerimberina ny hevitra amin'ny fomba tsy mitovy kely mba hanindriana fa manintona ny nonon'ilay malala.
"tendrombohitra vita amin'ny miora" na "tendrombohitra izay misy miora"
"Ny lafinao rehetra dia tsara tarehy avokoa" na "Ianao rehetra dia tsara tarehy"
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:9.
"tsy manana kilema ianao"
Manohy miresaka amin'ilay vehivavy ny tia.
Tian'ilay tia hiaraka aminy hiala ao amin'ny toerana tsy manan-dalàna sy mampidi-doza ny ampakariny. Io dia sarinteny fa tsy tena teo amin'ireo tendrombohitra na tao amin'ireo lavaka ireo akory izy roa.
"hiala ao Libanona"
Io dia anaran-tendrombohitra akaikin'i Damaskosy.
Io dia anaran-tendrombohitra akaikin'i Amana sy Hermona. Ny olona sasany mihevitra fa manondro ilay tendrombohitra hoe Hermona ihany io.
toerana izay itoeran'ireo liona sy leoparda, tahaka ny zohy na lavaka amin'ny tany izany
Manohy miresaka amin'ilay vehivavy ny tia.
Milaza izy fa azy ankehitriny ny fitiavany. DH: "babonao ny fitiavako."
Malalan'ilay tia tokoa tahaka ny anabaviny ihany ravehivavy. Tsy tena mpianadahy izy ireo akory. DH: "ry malalako" na "ny hany malalako"
Samy manintona ny tia azy ho eny aminy ny mason-dravehivavy sy ny firavakany.
Manohy midera ilay vehivavy ilay tia.
"Tsara ny fitiavanao"
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:9.
Ireo andalana ireo dia mamerina hevitra iray amin'ny teny samihafa ihany mba hanasongadinana.
"Tsara lavitra noho ny divay ny fitiavanao." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:1.
"ny fofon'ny menakao dia tsara noho ny fofon'ny zava-manitra rehetra."
Jereo ny nandikanao ireo teny ireo ao amin'ny 1:1.
zava-maniry maina na voa izay misy fofona tsara na tsiro tsara
Ireo andalana ireo dia mamerina hevitra iray amin'ny teny samihafa ihany mba hanasongadinana.
Heverin'ilay tia fa mamy tahaka ny tantely ny orok'ilay vehivavy; na, satria ireo teny izay lazainy dia mamy tahaka ny tantely.
Heverin'ilay tia fa mamy tahaka ny ronono sy tantely ny orok'ilay vehivavy; na, fa milaza ireo teny izay mamy tahaka ny ronono sy tantely.
"ny fofon'ireo akanjonao dia tahaka ny fofon'i Libanona." Maro ny hazo sedera maniry any Libanona. Ireo hazo Libanona dia tena tsara fofona, koa mamofona tsara sy madio i Libanona noho izany.
Manohy midera ilay vehivavy ilay tia.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:9.
Ampitahain'ny tia amin'ny saha voahidy ravehivavy satria azy irery ihany izy ary izy irery ihany no afaka mitia azy. Mety milaza ihany koa izy fa mbola virijiny izay tsy mbola nankafiziny ravehivavy.
Ampitahain'ny tia amin'ny loharano voatombo-kase tahaka ny ampitahany azy amin'ny saha voahidy ihany ilay vehivavy.
Soritsoritan'ny tia fa tena mahafinaritra amin'ny fanoritsoritana azy tahaka ny saha feno zavatra mahafinaritra ilay vehivavy.
toerana izay hanirian'ny hazo maro
"misy ireo karazana voankazo tsara indrindra"
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:12.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:12.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:12.
zava-manitra izay avy any amin'ny faritra maina avy amin'ny kofehy mavo eo afovoan'ny voninkazo sasany.
Io dia volotara misy fofona tsara izay anaovan'ny olona menaka fanosorana.
zava-manitra azo avy tamin'ny hodi-kazo izay ampiasain'ny olona handrahoan-tsakafo
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:12.
karazana zava-maniry lava izay misy fofona tena tsara
Manohy midera ilay vehivavy ilay tia.
"Loharano ao an-tsaha ianao." Soritsoritan'ny tia amin'ny fampitahany an-dravehivavy amin'ny rano tsara ny hatsarany.
rano izay tsara sotroina
Satria manana tendrombohitra rakotra ala i Libanona, dia madio sy tsara ireo rian-drano avy any Libanona.
Resahin-dravehivavy toy ny hoe olona ny rivotra avy any avaratra sy ny rivotra avy any atsimo.
"Mihetseha amin'izay"
Manondro ny tenany amin'ny filazany izany ho saha ilay vehivavy.
"hamoaka ny fofony tsara"
Asain-dravehivavy hankafy azy tahaka ny vadiny ny malalany.
"voankazo tsara"
1 Tonga tao an-tsahako aho, ry havako, ry ilay ampakariko; efa nanangona ny miorako mbamin'ny zava-manitro aho. Efa nihinana ny tohon-tanteliko mbamin'ny tanteliko aho; efa nisotro ny divaiko mbamin'ny rononoko aho. Hoy ireo sakaiza miresaka amin'ireo malala Mihinàna; ry sakaiza, misotroa ary aoka ho mamon'ny fitiavana. Hoy ilay tovovavy miresaka amin'ny tenany. 2 Natory aho, nefa ny foko dia nifoha tao anaty nofy. Injany ny feon'ny malalako mandondona ary manao hoe: "Vohay aho, ry havako, ry malalako, ry voromailalako, ry madioko, fa hotsaky ny ando ny lohako, feno andon'ny alina ny voloko." 3 "Efa nanala ny akanjolavako aho; dia tsy maintsy hanao izany indray ve? Efa nosasako ny tongotro; dia tsy maintsy ho lotoiko ve?" 4 Nampiditra ny tanany teo amin'ny fisokafan'ny hidim-baravarana ny malalako, ary nientanentana ho azy ny foko. 5 Niarina aho mba hamoha ny varavarana ho an'ny malalako; nitete miora ny tanako, nisy ranona miora ny rantsan-tanako, teo amin'ny famoaham-baravarana. 6 Nanokatra ny varavarana ho an'ny malalako aho, nefa niodina ny malalako ka nandeha. Difotra ny foko; nanjary kivy aho. Nitady azy aho, nefa tsy hitako izy; niantso azy aho, nefa tsy namaly ahy izy. 7 Ireo mpiambina izay nandeha tamin'ny tanàna nahita ahy; nokapohin'izy ireo aho ary noratrainy; ireo mpiambina teny amin'ny manda nanala ny fitafiako tamiko. Hoy ilay tovovavy niresaka tamin'ireo vehivavy tao an-tanàna 8 Tiako hampanantena ianareo, ry zanaka vavin'i Jerosalema, fa raha hitanareo ny malalako, dia lazao azy fa marary nohon'ny fitiavako azy aho. Hoy ireo vehivavy tao an-tanàna niresaka tamin'ilay tovovavy 9 Ahoana ny malalanao no tsara noho ny malala hafa, ianao izay tsara tarehy eo amin'ireo vehivavy? Nahoana ny malalanao no tsara noho ny malalan'ny hafa, no dia mangataka anay hanao fianianana tahaka izao ianao? Hoy ilay tovovavy niresaka tamin'ireo vehivavin'ny tanàna 10 Ny malalako dia mamiratra sady mena, tsy manam-paharoa amin'ireo an'aliny. 11 Ny lohany dia volamena tsara indrindra; ny volony dia olioly sady mainty tahaka ny goaika. 12 Ny masony dia tahaka ny voromailala akaikin'ny rian-drano, nosasana tamin'ny ronono, natohitohy toy ny firavaka. 13 Ireo takolany dia tahaka ny fandrian-java-manitra, mamokatra hanitra mamerovero. Ny molony dia lilia, mitete miora. 14 Ireo sandriny dia voahodidina volamena natao firavaka, ny kibony dia ivory voarakotra safira. 15 Ireo tongony dia andry vita amin'ny marba, mifototra amin'ny volamena tsy mifangaro; ny endriny dia tahaka an'i Libanona, tsiriritina tahaka ny sedera. 16 Ny vavany dia mamy indrindra; maha-te ho tia fatratra izy. Izany ny malalako, ary izany ny sakaizako, ry zanaka vavin'i Jerosalema.
Mazava fa ny malalan-dravehivavy no miteny.
Soritsoritan'ilay lehilahy tahaka ny saha ilay vehivavy. Amin'ny alin'ny fanambadian'izy ireo, dia afaka mankafy tanteraka ny vadiny amin'izay ralehilahy. Soritsoritany toy ny hoe tonga ao an-tsahany izany.
Antsoin-dralehilahy hoe havako ilay vehivavy satria tiany loatra tahaka ny hitiavany ny anabaviny izy. DH: "ilay tiako."
Mampiasa ireo sarinteny hoe saha ireo ilay lehilahy mba hanondroana fa efa afaka mankafy ny momba ilay vehivavy amin'ny lafiny maro samihafa izy.
zava-maniry izay misy fofona na tsiro mahery
Manomboka eto ny Fizarana Fahefatry ny boky
Mampiasa fanalefahan-teny ilay tovovavy mba hanoritsoritana ny nofiny ka ho afaka hadika amin'ny fomba roa izany: 1) manoritsoritra ny nofiny ny alina rehefa tonga nitsidika azy tao an-tranony ilay vehivavy; sy 2) manoritsoritra ny nofiny fa efa hanomboka hiara-handry amin'ny malalany ilay vehivavy.
DH: "nefa nifoha ny saiko." DH: "nefa misy fihetseham-po."
Io dia manondro ny fivohan'ny varavarana nefa afaka adika hoe fangatahana firaisana ihany koa izany. DH: "Vohay ho ahy ny varavarana" na "Vohay ho ahy ny tenanao"
Tenim-pitiavana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:9.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:9.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:14.
"ilay lafatro" na "ilay mahatokiko" na "ilay tsy manan-tsiniko"
rano mitete na zavona izay miforona mandritra ny hatsiakan'ny alina rehefa milatsaka ny hafanana
Ny rivotra mando ny alina dia nandena ny volon'ilay lehilahy satria nijoro tao ivelany izy.
Ireo andalana roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny.
akanjo rongony fotsy madinika izay anaovan'ny olona eny an-kodiny
DH: "Tsy te hiverina hanao akanjo indray aho."
Ireo mety ho dikany dia 1) nosasain'ilay tovovavy ny tongony mba ho afaka mankeo am-pandriana izy na 2) Ny teny hoe "tongotra" matetika dia nampiasaina ho fanalefahan-teny hanondroana ireo faritra saropadin'ny vehivavy. DH: "Nisasa aho."
Ireo mety ho dikany dia 1) tafiditra tao an-trano tamin'ny alalan'ny lavaka teo amin'ny varavarana izay hanokafana ny varavarana ilay tia na 2) io dia manoritsoritra ny fiantombohan'ny firaisana. Eto, ny ''tanana" dia natao fanalefahan-teny hilazana ireo faritra saropadin'ny lehilahy.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:12.
"karetsaka"
Ireo mety ho heviny dia 1) niarina teo am-pandriany ilay tovovavy mba hampiditra ny malalany ao an-trano na 2) "Niomana aho mba hanokatra ny tenako ho an'ny malalako."
Ny teny hoe "tanana" sy "rantsan-tanana" dia mety manondro ireo taova-pananahan'ny vehivavy.
"tsiranoka miora"
Manohy manoritsoritra ny nofiny ilay tovovavy.
DH: "Nanokatra ny tenako ho an'ny malalako aho."
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:12.
"Lasa ny fanahiko, rehefa niteny izy." DH: "Rehefa niteny izy, dia nahatsapa toy ny hoe maty aho."
ireo izay mijery sy miambina ny tanàna amin'ny alina
Ny teny hoe "ahy" dia manondro ilay tovovavy.
"nikapoka ahy" na "namely ahy"
"nandratra ahy"
"ireo olona izay miambina ireo manda"
ivelan'akanjo anaovana mivoaka izay anaovana ivelan'ny fitafiany ambony hafa rehefa hivoaka eny imasom-bahoaka izy ireo.
Jereo ny nandikanao ny hoe "Tiako hampanantena ianareo, ry zanaka vavin'i Jerosalema" ao amin'ny 2:7.
Tena mafy ny fitiavany ka nahatsiaro ho narary izy.
Jereo ny nandikanao ny hoe "tsara indrindra amin'ireo vehivavy" ao amin'ny 1:8.
"Inona no mahatsara ny malalanao"
"ary nahatonga anao hampanao fianianana anay"
Jereo ny fianianana ao amin'ny 5:8.
Io dia manazava fa manoritsoritra ny volon-koditry ny malalany ilay vehivavy. DH: "manana hoditra mamiratra sady mena"
"salama tanteraka" na "madio". Manana hoditra izay tsy misy kianina ny malalany.
volon-koditra salama izay mena manopy volotany
"ny tsara indrindra amin'ny 10.000." DH: "tsara noho ny olon-kafa" na "tsy misy tahaka azy."
Ny lohan'ilay malalany dia sarobidy amin'ilay vehivavy toy ny volamena tsara indrindra.
vorona izay mainty be ny volony
Manohy manoritsoritra ny malalany ilay tovovavy.
Jereo ny nandikanao ny hoe "ny masonao dia tahaka ny voromailala" ao amin'ny 1:15.
Mampiasa io sarinteny io ilay vehivavy mba hilazana fa ny mason'ny malalany dia mando tahaka ny rian-drano.
"nanasa ny tenany tamin'ny ronono." Ny voromailala dia manambara ny volomason'ny malalany. Voahodidin'ny masony, izay fotsy tahaka ny ronono ireo.
Tsara tarehy ny masony ka toy ny hoe firavaka izay nalahadahatry ny mpanao asa tanana am-pitandremana tokoa izany.
Manohy manoritsoritra ny malalany ilay tovovavy.
Io dia manazava fa tahaka ny fandrian-java-manitra ireo takolany satria samy mamoaka fofona tsara ireo.
saha na faritry ny saha izay hambolen'ny olona zava-manitra
"izay mamoaka fofona tsara."
Mety mampitaha ny molony amin'ny lilia ilay vehivavy satria tsara sy mamofona tsara izany.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:16.
"izay mitete miora tsara indrindra." Ny molony dia mando sy mamofona tsara tahaka ny miora.
Manohy manoritsoritra ny malalany ilay tovovavy.
"Volamena boribory izay rakotra firavaka ny sandriny." Mampiasa io sarinteny io ilay tovovavy mba hilazana fa tsara sy sarobidy ny sandriny.
"ivory malama izay rakotra safira ny kibony." Mampiasa io sarinteny io ilay tovovavy mba hilazana fa tsara sy sarobidy ny kibony.
vangy fotsy na nifim-biby izay mitovy amin'ny taolana. Mampiasa ny ivory ny olona mba hanaovana ireo taozavatra ho malama sy mamirapiratra.
Ny safira dia karazana vato madio, sarobidy. Io karazana safira io dia mety misy lokony mavo na volamena.
Manohy manoritsoritra ny malalany ilay tovovavy.
Mafy sy tsara tahaka ny andry vita amin'ny marba ny tongony.
vato tena mafy izay misy lokony maro samihafa ary lokoin'ny olona mba hanalamana izany.
DH: "izay misy fototra volamena tsy mifangaro tahaka ireo fiorenany." Sarobidy sy tsara tahaka ny fototra vita amin'ny volamena tsy mifangaro izay manohana ireo andry vita amin'ny marba ny tongony.
"mitovy amin'i Libanona izy." Libanona dia faritra tsara izay misy tendrombohitra sy hazo maro.
"iriana tahaka ny sedera" na "fatratra tahaka ny sedera"
Manohy manoritsoritra ny malalany ilay tovovavy.
Mampiasa io sarinteny io ilay vehivavy mba hanoritsoritana ny hamamin'ny oroky ny malalany na ny hamamin'ny teny izay lazainy.
"maha-te ho tia ny vatany rehetra" na " izy manontolo mihitsy no maha-te ho tia"
Ny teny hoe "Izany" dia manondro ilay olona izay vao avy nosoritsoritan'ilay vehivavy. Afaka adikanao hoe "Tahaka izany ny malalako, ary tahaka izany ny sakaizako" ihany koa io andianteny io.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:5.
1 Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy indrindra amin'ny vehivavy? Nizotra nankaiza ny malalanao, mba hitadiavanay azy miaraka aminao? Miresaka amin'ny tenany ilay zatovovavy. 2 Ny malalako dia efa nidina nankany amin'ny sahany, ho any amin'ny farafaran-java-manitra, mba hiraoka eny amin'ny saha sy hioty ireo lilia. 3 An'ny malalako aho, ary ahy ny malalako; hiraoka eo amin'ireo lilia am-pifaliana izy. Ilay tian'ilay vehivavy miresaka aminy. 4 Tsara tarehy tahaka ny Tirza ianao, ry tiako, maha-te ho tia tahaka an'i Jerosalema, mampisy aingam-panahy tahaka ny tafika miaraka amin'ny fanevany. 5 Avilio amiko ny masonao, fa manafotra ahy izy ireo. Ny volonao dia tahaka ny andian'osy midina avy eny amin'ireo hantsan'ny Tendrombohitr'i Gileada. 6 Ny nifinao dia tahaka ny andiana ondrivavy miakatra avy any amin'ny toerana fisasana. Samy manana ny kambana aminy ny tsirairay, ary tsy nisy banga ireo. 7 Ireo takolakao dia tahaka ny hasin'ampongabendanitra ao ambadiky ny voalinao. Ilay tian'ilay vehivavy miresaka amin'ny tenany 8 Misy mpanjakavavy enimpolo, vaditsindrano valopolo, ary zatovovavy tsy hita isa. 9 Ry voromailalako, ry madioko, ilay hany tokako; izy dia vavy tokan-dreniny; izy no tena tian'ilay vehivavy izay niteraka azy; ireo zanaka vavin'ny olon'ny tanànako raha nahita azy dia niantso azy hoe sambatra; ireo mpanjakavavy sy ireo vaditsindrano ihany koa dia nahita, ka nidera azy: Izao no nolazain'ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano 10 "Iza moa io miseho toy ny mangiran-dratsy, tsara tarehy toy ny volana, mamirapiratra toy ny masoandro, mampisy aingam-panahy toy ny tafika miaraka amin'ny fanevany?" Ilay tian'ilay vehivavy miresaka amin'ny tenany 11 Nidina teny amin'ireo ala kely misy hazom-bazana aho mba hijery ny tsiry vaovao eny an-dohasaha, mba hijery raha nitsimoka ireo voaloboka, ary raha efa namony ny ampongabendanitra. 12 Tena faly aho ka nahatsapa toy ny hoe nitaingina ny kalesin'ny andriandahy. Ny tian'ilay vehivavy miresaka aminy 13 Miverena, miverena, ianao ry vehivavy tonga lafatra; miverena, miverena, mba hahafahako mandinika anao. Ilay zatovovavy miresaka amin'ilay tiany Nahoana ianao no mandinika ahy, ilay vehivavy tonga lafatra, tahaka ny hoe mandihy eo anelanelan'ny mpandihy roa an-dalana aho?
"Lalana aiza no nandehanan'ny malalanao"
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:8.
DH: "Lazao anay, mba ahafahanay mitady azy miaraka aminao."
Jereo ny fanazavana io sarinteny io ao amin'ny 5:1.
Jereo ny nandikanao ny hoe "farafaran-java-manitra" ao amin'ny 5:13. Tonga mba hankafy ny fanintonan'ny vatan'ilay vehivavy izay mahafinaritra tahaka ny zava-manitra ny malalany.
Mampiasa ireo sarinteny ireo ilay vehivavy mba hilazana fa mahafinaritra ao aminy ny malalany.
Jereo ny nandikanao ny hoe "miraoka" ao amin'ny 2:16.
"mba haka ireo lilia"
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:16.
Jereo ny nandikanao ny hoe "Ahy ny malalako, ary azy aho" ao amin'ny 2:16.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:16.
Manomboka eto ny Fizarana Fahadimin'ny boky
Ampitahain'ilay tia amin'ny tanàna tsara sy mahafinaritra ny hatsaran'ilay vehivavy.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:5.
Tena mahery ny hatsaran'ilay vehivavy ka mahatonga ny tia ho tsy afa-manoatra, tahaka ny tafika manatona azy izany.
Manohy midera ilay vehivavy ny malalany.
"mampihorohoro ahy." Tsara loatra ny mason'ilay vehivavy ka mahatonga ny malalany hahatsiaro ho safotra sy matahotra izany satria tsy voatohiny ny heriny.
Jereo ny nandikanao ny hoe "Ny volonao...avy eny an-tendrombohitr'i Gileada" ao amin'ny 4:1.
Manohy midera ilay vehivavy ny malalany.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:3.
"Misy mpanjakavavy 60, vaditsindrano 80."
Ny teny hoe "tsy hita isa" dia midika fa tsy tambo isaina izy ireo. DH: "tovovavy maro be"
Jereo ny nandikanao ny hoe "voromailalako, ry madioko" ao amin'ny 5:2.
"dia tokana" na "tsy manan-tsahala." Mampitaha ilay vehivavy amin'ny vehivavy rehetra ilay tia. Na dia misy vehivavy fatratra maro be aza, dia tsy manan-paharoa amin'ireo ambiny io vehivavy io.
"izy dia zanaka vavy tokan'ny reniny" na "izy no zanaka vavin'ny reniny izay tokana"
Io andianteny io dia manondro ny reniny.
"nanambara fa mandeha tsara ho azy manokana ny zavatra rehetra" na "nilaza fa tsara vintana izy"
Izay nolazain'ireo mpanjakavavy sy ireo vadintsindrano momba ilay tovovavy. Na izany aza, ireo dikan-teny sasany dia mihevitra fa miresaka amin'ity andininy ity ihany koa ny malalan-dravehivavy.
Mampiasa io fanontaniana io izy ireo mba hilazana fa heverin'izy ireo ho mahavariana ilay tovovavy. DH: "Tovovavy mahavariana ity! Avy tahaka ny fijery ny mangiran-dratsy izy."
DH: "tonga tamin'ny endrika tahaka ny mangiran-dratsy izy." Mampiasa io sarinteny io ny tia mba hilazana fa tsara sy be voninahitra tahaka ny mangiran-dratsy vao manomboka misandratra ilay vehivavy.
Tena mahery ny hatsaran'ilay vehivavy ka mahatonga ireo vehivavy hafa ho tsy afa-manoatra, tahaka ny tafika manatona azy ireo izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:4.
Mamarana miresaka amin'ny tenany ilay tia.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:12.
"zava-maniry mbola kely" na "sampany vaovao"
"maniry ny voniny." Ny voniny dia faritra boribory amin'ireo zava-maniry izay misokatra ary manome voninkazo.
"namoaka voninkazo"
Mampiasa io sarinteny io ny tia mba hanehoana fa tena faly izy.
"Mandehana miverina, mandehana miverina." Naverimberina io mba hanasongadinana.
mijery fatratra zavatra mandritry ny fotoana lavalava
Mety ho zavatra mahafinaritra ny mijery ilay tovovavy mandihy miaraka amin'ireo mpandihy hafa.
1 Endrey ny hatsaran'ny tongotrao ao amin'ny kapanao, ry zanaka vavin'andriandahy! Tahaka ny firavaka ny amboam-penao, asa tanan'ny mpanao asa-tanana mahay. 2 Ny foitranao dia tahaka ny tomaboha boribory; tsy ho ory divay voaaro anie izany. Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby voahodidina lilia. 3 Ireo nononao roa dia tahaka ny zanaka serfa roa, gazela kambana. 4 Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona eo am-bavahadin'i Bata Rabima. Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona izay mitodika mankany Damaskosy. 5 Ny lohanao dia tahaka an'i Karmela; ny volon-dohanao dia volomparasy matroka. Babon'ny randran'izany ny mpanjaka. 6 Endrey tsara tarehy sady maha-te ho tia ianao, ry ilay malala, mahafinaritra ianao! 7 Ny tsangananao dia tahaka ny an'ny palma, ary ny nononao dia tahaka ny sampahom-boankazo. 8 Nieritreritra aho hoe: "Te hananika izany palma izany aho; hihazona mafy ireo rantsany." Aoka ireo nononao ho tahaka ireo sampahom-boaloboka, ary aoka ny fameroveron'ny oronao ho tahaka ny paiso. 9 Aoka ny vavanao ho tahaka ny divay tsara indrindra, mikoriana moramora amin'ny malalako, misosa eo amin'ny molotra sy ny nifitsika. Ilay zatovovavy miteny amin'ny olon-tiany 10 An'ny malalako aho, ary maniry ahy izy. 11 Avia, ry malalako, andeha isika hiaraka ho any ambanivohitra; andeha isika hatory any amin'ireo vohitra. 12 Andeha isika hifoha maraina ho any an-tanim-boaloboka; andeha hozahantsika raha mitsimoka ireo voaloboka, raha misokatra ireo voniny, ary raha mamony ireo ampongabendanitra. Any no hanomezako anao ny fitiavako. 13 Mamerovero aoka izany ireo mandravasarotra; eo am-baravarana izay hitoerantsika ny karazam-boankazo voafantina rehetra, ny vao sy ny ela, izay efa notehiriziko ho anao, ry malalako.
Mazava fa nanomboka tao amin'ny 6:13 dia nosoritsoritan'ny malalan'ilay vehivavy toy ny hoe mandihy izy. DH: "Tsara loatra ny tongotrao ao anatin'ny kapanao rehefa mandihy ianao."
Na dia tsy teraka tao anaty fianakaviana mpanjaka aza ilay vehivavy, dia mahatonga azy ho toy ny zanaka vavin'andriandahy ny fomba fijeriny sy ny fihetsiny. DH: "ianao izay manana toetra mendri-kaja" na "ianao izay mihaja."
Ny bikan'ny fen'ilay tovovavy dia tahaka ny vato sarobidy izay nosokirin'ny mpiasa mahay hanana bika lafatra. DH: "Ny amboam-penao dia tsara tahaka ny amboam-piravaka tsara izay nataon'ny mpanao asa tanana mahay."
Ny teny hoe "fe" dia manondro ny valahan'ilay tovovavy sy ny tongony izay ambonin'ny lohaliny.
Manohy manoritsoritra ilay tiany ny malalan'ilay tovovavy.
Miendrika tsara tahaka ny lovia jobo ny foitran'ilay vehivavy. DH: "Ny foitranao dia miendrika fatratra tahaka ny tomaboha boribory."
boribory misy kinifinifiny eo amin'ny kibo, izay ratra tavela tamin'ny tady izay nampifatotra ny zazakely amin'ny reniny
Mampiasa lovia jobo lehibe ny olona mba hanafangaroana ny divay amin'ny rano na hasiana rano amin'ny lanonana. Mankafy ny tsiron'ny divay amin'ny lanonana ny olona. DH: "enga anie ka hankafy ny hatsaran'izany lalandava aho" na "enga anie hifaly amin'ny hatsaran'izany lalandava ny olona."
Heverin'ny olona fa ny lokom-bary tritika no volon-koditra tsara indrindra ary ny antontam-bary boribory dia tsara. DH: "Ny kibonao dia manana loko tsara ary boribory tahaka ny antontam-bary."
Io dia antontam-bary tritika rehefa avy mively sy manofa vary ny olona.
Vao maika nanatsara kokoa ny antontam-bary aza ireo voninkazo tsara tarehy. DH: "izay misy lilia manodidina azy rehetra."
karazana voninkazo lava
Manohy manoritsoritra ilay tiany ny malalan'ilay tovovavy.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:4.
Ampitahain'ilay tia amin'ny tilikambo vita tamin'ny ivory ny vozony.
vangy fotsy na nifim-biby izay mitovy amin'ny taolana. Mampiasa ivory ny olona mba hanaovana taozavatra sy hanatsarana ireo zavatra.
DH: "ny masonao dia mazava sy mamiratra tahaka ny dobon-drano ao Hesbona."
Io dia anaran-tanàna atsinanan'ny Reniranon'i Jordana.
Io dia anaran-tanàna.
Ny orony dia lava sy mahitsy tahaka ny tilikambo lava sy mahitsy ihany.
"izay ahafahan'ny olona mijery mankany Damaskosy"
Manohy manoritsoritra ilay tiany ny tia.
Ampitahaina amin'ny Tendrombohitr'i Karmela izay misandratra ambonin'ny zavatra rehetra manodidina izany ilay vehivavy.
Ireo mety ho dikany dia 1) "mainty be" na 2) "mena be."
DH: "Ny volonao izay misarakorako dia tsara ka tsy mahajanona tsy mijery tsara izany ny mpanjaka."
tokom-bolo izay misarakorako avy amin'ny lohan'ilay vehivavy. Afaka mandika izany teny izany hoe "singam-bolo" na "mihorongorona" na "randrana kely" ihany koa ianao.
Soritsoritan'ilay tia izay hataony amin'ilay tiany.
"Mitsangana tahaka ny hazo palma ianao." Lava ilay tovovavy, mijoro mahitsy, ary manintona tahaka ny palma.
hazo lava, mahitsy izay mamokatra voa mamy, volontany, ary mampitsiriritra izay miaraka maniry betsaka izany
Maniry be tokoa ny daty amin'ny hazo palma ary misy fehezana tsara tarehy izay mihantona avy eny amin'ny hazo izany.
Te hihazona ilay vehivavy ilay lehilahy.
Te hikasika ny nonony izay mafy nefa malefaka tahaka ny voaloboka izay feno ranony ilay lehilahy.
"ho manitra tsara tahaka ny paiso anie ny fofonaina avy amin'ny oronao."
Ny teny hoe "paiso'' dia manondro voankazo hohanina, miloko mavo, sy mamy.
Soritsoritan'ilay tia izay hataony amin'ilay tiany.
DH: "Te hanandrana ny molotrao tahaka ny divay tsara indrindra aho."
"izay mikoriana moramora amin'ilay tiako." Mankafy ny orok'ilay vehivavy mora ilay tia.
"izay mitete amin'ny molotro sy ny nifiko"
Jereo ny nandikanao ny hoe "an'ny malalako aho" ao amin'ny 6:2.
"ary liana ny momba ahy izy" na "mila ahy izy"
Manohy miresaka amin'ny malalany ilay vehivavy.
"hiarina maraina" na "hifoha aloha"
"manomboka mamony"
voninkazo rehefa misokatra izany
"misy voninkazo misokatra eo amin'ilay zava-maniry"
"hasehoko anao ny fitiavako" na "hiray ara-nofo aminao aho"
Manohy miresaka amin'ny malalany ilay vehivavy.
Io dia anaran-java-maniry izay mamoaka hanitra mahery fa tsara. Ilay hanitra dia poizina kely sy fanaitairana kely izay mampitombo ny faniriana hiray ara-nofo.
"mamoaka hanitra"
Mazava fa varavaran'ny tranon'izy ireo izany. DH: "eo amin'ny fidirana mankao an-tranontsika" na "akaikin'ny varavaran'ny tranontsika."
"ny karazana voankazo tsara indrindra rehetra, dia ny voankazo efa ela sy ny vao"
"najanoko ho anao" na "narovako ho anao"
1 Iriko mba ho toy ny anadahiko, izay ninono tamin'ny nonon-dreniko ianao. Ary na aiza na aiza hahitako anao any ivelany, dia afaka manoroka anao aho, ary tsy hisy olona hanao tsinontsinona ahy. 2 Ho tarihiko ary ho entiko any an-tranon'ny reniko ianao, ary dia hampianarinao aho. Homeko divay miharo zava-manitra ho sotroina sy ampahany amin'ny ranon'ny ampongabendanitro ianao. Niresaka tamin'ny tenany ilay tovovavy 3 Ny tanany havia tao ambany lohako ary ny tanany havanana mamihina ahy. Niresaka tamin'ireo vehivavy hafa ilay vehivavy 4 Tiako hianiana ianareo, ry zanaka vavin'ny olon'i Jerosalema, fa tsy hanapaka ny fiaraha-mandrinay ianareo mandra-pahatapiny. Ireo vehivavin'ny Jerosalema niresaka 5 Iza ity tamy manatona miakatra avy any an'efitra, miankina amin'ny malalany ity? Niresaka tamin'ilay malalany ilay tovovavy namoha anao teo ambany hazo paiso aho; teo amin'ny nanorotoronin'ny reninao anao; teo amin'ny niterahany anao, namoahany anao. 6 Ataovy toy ny tombo-kase ao am-ponao aho, toy ny tombo-kase eo an-tsandrinao, fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana. Ny firehetan'ny fahasarotam-piaro dia tsy mamela mahazo toy ny Fiainan-tsy hita; mandoro ny lelafony; lelafo midedadeda izany, lelafo mahamay noho ny afo hafa rehetra. 7 Ireo rano manonja tsy mahavono ny afon'ny fitiavana, na ireo tondra-drano tsy mahafoaka azy. Raha misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony ho amidy fitiavana, dia atao tsinontsinona tokoa izany tolotra izany. Ireo anadahin'ilay tovovavy mifampiresaka 8 Manana zandrivavy izahay, ary tsy mbola mitsiry nono izy. Inona no azonay atao ho an'ny anabavinay amin'ny andro izay hanolorana azy ho amin'ny fanambadiana? 9 Raha manda izy, dia hanangananay tilikambo vita amin'ny volafotsy teo aminy. Raha varavarana izy, dia hohaingonay amin'ny hazo sedera fisaka. Niresaka tamin'ny tenany ilay tovovavy 10 Manda aho, fa ankehitriny ireo nonoko dia toy ireo tilikambo fiarovana mafy; koa tena efa matoy tokoa aho eo imasony. Niresaka tamin'ny tenany ilay tovovavy 11 Nanana tanim-boaloboka tao Bala-hamona i Solomona. Nahofany tamin'ireo izay te hikarakara izany ilay tanim-boaloboka. Ny tsirairay dia tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon'ny vokatra. 12 Ahy tokoa ny tanim-boaloboko; ny sekely arivo dia anao, ry Solomona malalako, ary ny sekely roanjato ho an'izay mikarakara izany mba hahazoana vokatra. Ilay malalan-dravehivavy niresaka taminy 13 Ianao izay mipetraka eo an-jaridaina, ireo sakaizako dia nihaino ny feonao; avelao aho mba ho ilay iray izay handre izany koa. Niresaka tamin'ny malalany ilay tovovavy 14 Faingàna, ry malalako, ary aoka ho toy ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitr'ireo zava-manitra ianao.
Irian'ilay vehivavy mba ho afaka haneho ny fitiavany ampahibemaso tahaka ny hataony amin'ny anadahiny izy. Tsy milaza izy nefa fa afaka manao firaisana amin'ny anadahiny ny vehivavy.
"anao eny imasombahoaka"
Mety hanoroka ny anadahiny amin'ny takolany ny vehivavy mba hiarabana azy.
"hahamenatra ahy"
Manohy miresaka amin'ny malalany ilay tovovavy.
Raha ny anadahiny no ilay tia, dia afaka mitondra azy any amin'ny tranon'ny fianakaviana izy. Ara-dalàna amin'izany fomba izany io ary mbola arahin'ny sasany ankehitriny.
Io ihany koa dia afaka adika hoe "ary hampianatra ahy izy." Satria tsy manan-traikefa amin'ny fanaovana firaisana ny vehivavy, dia mihevitra izy fa hampianatra azy ny fomba fanaovana firaisana ny malalany na ny reniny.
Mampiasa ireo sarinteny ireo ilay vehivavy mba hilazana fa hanolotra ny tenany ho an'ny malalany sy hiray ara-nofo aminy izy.
"divay misy zava-manitra" na "divay izay misy zava-manitra ao aminy" Io dia manambara ny hery manapoizin'ny firaisana ara-nofo.
Manambara ny ranony mamy misy ampahana ampongabendanitra ilay vehivavy.
Jereo ny nandikanao ny hoe "Ny tanany havia dia tao ambany lohako, ary ny tanany havanana mamihina ahy" ao amin'ny 2:5.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:7.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:7.
Manomboka eto ny Fizarana Fahenin'ny boky, ny fizarana farany
DH: "Jereo iny vehivavy mahavariana izay miakatra iny." Jereo ny nandikanao ny andianteny mitovy amin'io tao amin'ny 6:10.
"Nampitsangana anao aho" na "nampiarina anao aho"
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:3.
tao ambanin'ny hazo palma
Manohy miresaka amin'ny malalany ilay tovovavy.
Ireo mety ho heviny dia 1) Satria tena manan-danja ny tombo-kase, dia ataon'ny olona manodidina ny vozon'izy ireo sy eo amin'ny tanan'izy ireo foana izany. Tian'ilay vehivavy hiaraka aminy foana tahaka ny tombo-kase ny malalany. na 2) Ny tombo-kase dia maneho izay tompon'ny zavatra izay misy tombo-kase eo amin'izany. Tian'ilay vehivavy ho toy ny tombo-kase ao am-pon'ny malalany ny tenany ary ny sandry dia maneho fa ny eritreriny rehetra, ny fihetseham-pony, ary ny fihetsiny dia azy.
Tena mahery ny fahafatesana satria mahatratra na dia ny olona mahery indrindra eto amin'izao tontolo izao aza izany.
"tahaka ny Fiainan-tsy hita." Tsy mamela ny olona ho velona indray ny Fiainan-tsy hita raha efa maty izy ireo. Maharitra tahaka ny Fiainan-tsy hita ny fitiavana satria tsy miova mihitsy izany.
Tena mahery tahaka ny afo ny fitiavana.
"mandoro tampoka"
Manohy miresaka amin'ny malalany ilay tovovavy.
Mahery loatra ny fitiavana ka tahaka ny afo izay tena mahamay izay tsy azo vonoina na dia amin'ny ranomasina feno rano aza izany.
"Ranomasina" na "Rano be"
"manala izany" na "mamafa izany"
Tsy miova mandrakizay ny fitiavana ary tsy miova mandrakariva koa tahaka ny zavatra izay na dia ny tondra-drano mahery aza dia tsy mahavita manala izany.
Ao Israely, ny ranon'orana dia mivarina ao amin'ireo lohasaha lalina sy tery. Izany dia mahatonga tondra-drano tena mahery ka afaka mamindra vato lehibe sy hazo. Na dia ankehitriny aza, dia mbola mandraoka tetezana tena mafy ireo tondra-drano matetika.
"manala izany" na "mamafa izany"
"Na dia misy olona...dia atao tsinontsinona tokoa izy."
"ny rehetra ananany"
"mba hahazoana fitiavana" na "mba hividianana fitiavana"
"hanao tsinontsinona azy tanteraka ny olona" na "haneso azy mafy ny olona"
"anabavy mbola kely"
DH: "misy lehilahy tonga ary te hanambady azy."
Manohy mifampiresaka ireo anadahin'ilay vehivavy.
Satria kely ny nonony, dia fisaka tahaka ny manda fisaka na varavarana fisaka ny tratrany. Manapa-kevitra ny hanaingo azy ireo anadahiny mba hanampiana ny anabavin'izy ireo ho tsara tarehy kokoa.
Lava tahaka ireo tilikambo ny nonon'ilay vehivavy.
Hitan'ny malalany ankehitriny fa efa tena vehivavy matoy tanteraka izy, ary tiany. DH: "Ankasitrahan'ny malalako aho"
Eto ny hoe "masony" dia manondro ny malalany. DH: "aminy"
Io dia anaran-tanàna any amin'ny tapany avaratr'Israely.
"tamin'ireo olona izay hitàna izany"
DH: "Heverina fa tokony hanome sekely volafotsy arivo an'i Solomona ho vidin'ny vokatry ny voaloboka ny olona tsirairay avy."
"mitondra sekely volafotsy 1.000."
"Izaho no miandraikitra ny tanim-boaloboko." Tondroin'ilay vehivavy toy ny tanim-boaloboka tahaka ny tao amin'ny 1:5 ny tenany.
Manome ny tombon'ny tanim-boaloboka maimaim-poana ho an'i Solomona ilay vehivavy na dia azy ary izany ary na dia afaka manome izany ho an'izay tiany aza izy.
"aoka handre izany aho." Ny teny hoe "izany" dia manondro ny feon'ilay vehivavy.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:16.
"ireo tendrombohitra izay rakotra zava-manitra." Mampiasa io sarinteny io ilay vehivavy mba hanasana ny malalany mba hankafy azy. Jereo ny fomba nampiasan'ilay tia ny sarintenin'ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan'ny ditin-kazo manitra ao amin'ny 4:6.
1 Ny fahitàn'i Isaia zanak'i Amosa, izay hitany nahakasika an'i Joda sy Jerosalema, tamin'ny andron'i Ozia, Jotama, Ahaza, ary i Hezekia, mpanjakan'i Joda. 2 Mihainoa, ry lanitra, ary manongilàna sofina, ry tany; fa efa niteny Yaveh hoe: "Efa namahana sy nitaiza ny ankizy Aho, nefa nikomy Tamiko izy ireo. 3 Ny omby mahalala ny tompony, ary ny boriky mahafantatra ny tavy famahanan'ny tompony azy, kanefa tsy fantatry ny Israely, tsy takatry ny Israely. 4 Loza! Ry firenena, mpanota, vahoaka mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy, zanaka lahy mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Yaveh izy ireo, efa nanao tsinontsinona an'ilay Iray Masin'Israely izy ireo, efa nampihemotra ny tenan'izy ireo taminy izy ireo. 5 Nahoana ianareo no mbola voakapoka? Nahoana ianareo no mikomy hatrany hatrany? Marary ny loha manontolo, torovana tanteraka ny fo. 6 Tsy misy faritra tsy maratra hatramin'ny faladia ka hatrany amin'ny loha; fery, sy mangana ary ratra vao ihany; mbola tsy voakatona, voadio, na nofehezina, na notsaboina tamin'ny diloilo akory ireny. 7 Rava ny firenenareo; may ireo tanànanareo; ireo sahanareo_ eo amin'ny fanatrehanareo, no hamotehan'ny olona hafa firenena ireo_ foana sy rava, naringanan'ireo olona hafa firenena. 8 Ny zanaka vavin'i Ziona dia navela tahaka ny trano bongo eny an-tanim-boaloboka, tahaka ny fandriana eny amin'ny sahana kaokaombira, toy ny tanàna natao fahirano. 9 Raha tsy namela sisa kely tamintsika i Yaveh Tompon'ny maro, efa tahaka an'i sodoma isika tahaka izay, efa nitovy tamin'i Gomora isika tahaka izay. 10 Mandrenesa ny tenin'i Yaveh, ianareo ry mpanapak'i Sodoma; mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ianareo ry vahoakan'i Gomora hoe: 11 "Inona izay fahamaroan'ny soronareo ho Ahy?" hoy Yaveh. "Efa tofoky ny ondrilahy atao fanatitra dorana Aho, sy ny jaboran'ny biby mifahy; ka tsy sitrako ny ran'ny ombilahy, zanak'ondry, na osy. 12 Rehefa tonga hiseho eto anatrehako ianareo, iza no nangataka izany taminareo, mba hanitsaka ny kianjako? 13 Aza mitondra fanati-poana intsony; fahavetavetana ny ditin-kazo manitra amiko, ny volana vaovao sy ny Sabata fiangonana_ tsy afaka ny hilefitra amin'ireny fiangonan-dratsy ireny Aho. 14 Halako ireo volana vaovaonareo sy ireo firavoravoana voatondronareo, enta-mavesatra ho Ahy ireny; ketraka amin'ny fiharetana ireny Aho. 15 Koa dia rehefa mamelatra ny tananareo amin'ny vavaka ianareo, dia manafina ny masoko tsy ho aminareo Aho; na dia manolotra vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; feno rà ny tananareo. 16 Sasao, diovy ny tenanareo; esory tsy ho eo imasoko ny faharatsin'ireo asanareo; mitshara amin'ny faharatsiana; 17 mianara manao ny tsara; mitadiava ny rariny, ahitsio ny fampahoriana, [1] manomeza rariny ho an'ireo kamboty, arovy ny mananon-tena. 18 "Avia ary, andeha isika hiara-hifampidinika," hoy Yaveh; "Na dia tahaka ny jaky ary ny fahotànareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala ireny, na dia mena tahaka ny sily aza ireny, dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy. 19 Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny soa avy amin'ny tany, 20 fa raha mandà sy mikomy ianareo, dia ho levonin'ny sabatra," fa ny vavan'i Yaveh no miteny izany. 21 Indrisy, tonga janga ilay tanàna mahatoky! Izy izay feno rariny_ izy izay feno fahamarinana, fa ankehitriny kosa izy feno mpamono olona. 22 Niova ho tain-drendrika ny volafotsinareo, miharo rano ny divainareo. 23 Ireo andrianareo dia mpikomy ary sakaizan'ny mpandroba; tia kolikoly avokoa ny rehetra ary fatra-pitady tombony. Tsy miaro ny kamboty izy ireo, na ny fitarainana ara-dalàn'ny mananon-tena izay tonga eo anatrehan'izy ireo. 24 Noho izany dia izao no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro, ilay Maherin'Israely hoe: "Loza ho azy ireo! Hanao valifaty ho an'ireo mpifanandrina amiko Aho, ary hamalifaty ireo fahavaloko Aho; 25 hamerina ny tanako aminareo Aho, hanadio ny tain-drendrikareo tahaka ny amin'ny karbonetra Aho, ary hanala ny tain-drendrika rehetra aminareo. 26 Hamerina amin'ny laoniny ireo mpitsaranareo toy ny tamin'ny voalohany Aho, ary ireo mpanolo-tsainareo toy ny tamin'ny vao niandoha; aorian'izany ianareo dia ho antsoina hoe tanànan'ny fahamarinana, tanàna mahatoky. 27 Ho voavonjy amin'ny rariny i Ziona, ary ireo mpibebany amin'ny fahamarinana. 28 Hiaraka ho torotoro ny mpikomy sy ny mpanota, ary ireo izay nahafoy an'i Yaveh dia ho vita ny aminy. 29 "Fa ho afa-baraka ianareo amin'ireo hazo terebintana masina izay nirianareo fatratra, ary ho menatra ianareo amin'ireo saha izay efa nofidianareo. 30 Fa ho tahaka ny hazo terebinta iray izay mihintsan-dravina ianareo, ary toy ny saha izay tsy misy rano. 31 Ny lehilahy mahery dia ho tahaka ny vohavoha, ary ny asany tahaka ny pitik'afo; hiara-may izy roa ireo, ary tsy misy hamono ny afon'izy ireo.
"Izao no fahitan'Isaia ... izay nasehon'i Yaveh taminy" na "Izao no nasehon'Andriamanitra tamin'Isaia"
Amoza no rain'Isaia.
"Joda" dia manondro ny firenena tavaratr'Israely. "Jerosalema" no tanàna lehibe indrindra teo aminy. DH: "Ireo izay monina ao Joda sy Jerosalema" na "ny vahoakan'i Joda sy Jerosalema"
Io dia fomba fiteny izay ilazana ny fotoana nanjakan'ny mpanjaka tsirairay. Nifandimby nanjaka izy ireo, fa tsy hoe tamin'ny fotoana iray ihany. DH: "tamin'ny Ozia, Jotama, Ahaza, ary Hezekia mpanjakan'i Joda"
Miresaka amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
Io no anaran'Andriamanitra izay nasehony tamin'ny olony tao amin'ny Testamenta Taloha. Izahao ny pejin'ny fandikana ny Teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba handikana izany.
Na dia natao ho ren'ireo vahoakan'i Jerosalema sy Joda aza ireo faminaniana ireo, dai fantatr'Isaia fa tsy hihaino izy ireo. Ireo mety ho heviny dia 1) Miresaka tahaka ny amin'izay tsy eo izy, toy ny hoe ho afaka hihaino izay ambaran'i Yaveh ny "lanitra" sy ny "tany", na 2) Ny teny hoe "lanitra" sy "tany" dia fibangoan-teny ilazana ny zava-manan'aina rehetra na aiza na aiza. DH: "Ianareo izay miaina any an-danitra ... ianareo izay miaina ety an-tany"
Ny tany izay nambaran'i Yaveh ary lazain'Isaia amin'ireo Israelita ho an'i Yaveh.
Resahin'i Yaveh toy ny hoe sakafo ny teny ary ireo Israelita dia zanany. DH: "Nikarakara ireo olona monina ao Joda tahaka ny zanako aho"
Azonao atao mazava ny fampahafantarana izay efa azo eto. DH: "fantatry ny boriky ny tavy famahanan'ny tompony azy" na "hain'ny boriky izay hanomezan'ny tompony sakafo azy"
Izany dia mety midika hoe "fa ny vahoakan'Israely dia tsy mahafantatra Ahy, tsy azon'izy ireo fa Izaho ilay iray izay mikarakara azy ireo."
Io dia fibangoan-teny ilazana ny vahoakan'Israely. Joda dia isan'ny firenen'Israely. DH: "ny vahoakan'Israely"
Miresaka amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
Ireo mety ho heviny dia 1) Milaza zavatra reo samihafa momba azy ireo Isaia. DH: "Ry firenen'Israely, ianareo mpanota" na 2) milaza zavatra iray ihany momba azy ireo izy. DH: "Firenena mpanota"
Ny zavatra mavesatra izay lanjain'ny olona dia sarinteny ilazana ny fahotan'izy ireo be dia be. DH: "tahaka ny kitapo mavesatra eo an-tsorony ka mahasarotra ny famindran'izy ireo ny fahotany"
Ny teny hoe "taranaka" dia sarinteny ilazana ny olona izay manao izay nataon'ny hafa. DH: "olona izay manao ny ratsy izay hitany ataon'ny hafa ihany"
manao asa ratsy
"Niala lavitra an'i Yaveh izy ireo"
"nandà tsy hankatoa" na "nandà tsy hanaja"
Isan'ny firenen'Israely i Joda.
Na dia efa mpinamana aza izy ireo taloha, dia raisiny toy ny olona tsy fantany Izy ankehitriny.
Miresaka amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo Isaia mba hibedesana ny vahoakan'i Joda. Azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra ireo fanontaniana ireo. DH: "Manao zavatra izay tsy maintsy hamaizan'i Yaveh anareo hatrany ianareo."
Eto ny teny hoe "ianareo" dia manondro ireo olona monina ao Joda.
Io sarinteny io dia mampitaha ny firenen'Israely amin'ny olona izay voakapoka. DH: "Tahaka ny olona izay voaratra loha ary torovana fo ianareo" na "Ianareo dia tahaka ny olona izay marary ny fo sy sainy manontolo"
Io dia azo atao hoe DH: "maratra ny momba anao rehetra" na "nisy nandratra ny momba anao rehetra"
Io sarinteny io dia mampitaha ny famaizan'Andriamanitra izay nomeny an'Israely amin'ny ratra ara-nofo. DH: "tsy nisy nanakatona, nanadio, namehy, na nitsabo tamin'ny diloilo"
Miresaka amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
DH: "noravan'izy ireo ny firenenareo" na "Noravan'ny fahavalonareo ny firenenareo"
DH: "nodoran'izy ireo ny tanànanareo"
"misy olona izay tsy avy amin'ny firenenareo mangalatra ny vokatra avy eo amin'ny sahanareo eo imasonareo"
Io anarana io dia azo atao amin'ny endrika andian-teny misy matoanteny. DH: "nopotehin'izy ireo ny tany ary tsy misy monina ao"
DH: "nisy vahiny nandrotana ny firenenareo" na "nisy miaramila vahiny nandresy azy tanteraka"
DH: "navelako ny zanaka vavin'i Ziona"
Ny "zanaka vavin'ny" tanàna iray dia ilazana ny vahoakan'ilay tanàna. DH: "Ny vahoakan'i Ziona" na "Ny vahoaka izy monina ao Ziona"
Ireo mety ho heviny dia 1) "lasa tahaka ny trano bongo eny amin'ny tanim-boaloboka na fandriana eny amin'ny saham-boatango" na 2) "navela tahaka ny fandaozan'ny mpamnoly ny trano bongo eny amin'ny saham-boaloboka na fandriana eny amin'ny saham-boatango rehefa vita ny aminy"
Ny mety ho dikany hafa dia "tahaka ny... saham-boatango. Tanàna natao fahirano izy"
Miresaka amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
Io dia mamaritra zavatra izay tokony ho nitranga tany aloha saingy tsy nitranga.
"tafavoaka velona vitsy"
Eto ireo teny ireo dia manondro an'Isaia ary ao anatin'izany ny vahoakan'i Joda sy Jerosalema rehetra.
Azo atao mazava ny mety nahatonga an'i Joda ho tahaka an'i Sodoma sy Gomora. DH: "Dia efa naringan'Andriamanitra isika tahaka izay, tahaka ny nandringanany ny tanànan'i Sodoma sy Gomora"
Miresaka amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
Mampitaha ny vahoakan'i Joda amin'i Sodoma sy Gomora i Isaia mba hanindriana ny fahatongavan'izy ireo ho mpanota tokoa. DH: "ianareo ry mpanapaka izay mpanota tahaka ny vahoakan'i Sodoma ... ianareo olona izay ratsy fanahy tahaka ireo izay nonina tao Gomora"
Mampiasa fanontaniana Andriamanitra mba hibedesana ny olona. Azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra io fanontaniana fampisainana io. DH: "Tsy misy dikany amiko ny soronareo!"
Milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
Ny teny hoe "hanitsaka" dia midika ho mandingana ary manosihosy amin'ny tongotra. Mampiasa fanontaniana Andriamanitra mba hibedesana ny vahoakan'i Joda. Azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra io fanontaniana fampisainana io. DH: "tsy nisy niteny taminareo mba hanitsakitsala ny kianjako!"
"Aza mitondra fanomezana tsy misy dikany aty amiko intsony"
Eto ny teny hoe "fahavetavetana" dia azo atao amin'ny matoanteny "mankahala." DH: "Halako ny ditin-kazo manitra doran'ireo mpisorona"
Ireo mety ho heviny dia 1) "tsy afaka mamela anareo hiara-hiangona Aho noho ireo zava-dratsy ataonareo" na 2) "tsy afaka mamela Ahy hijery anareo miara-miangona Aho nohon'ny zava-dratsy ataonareo."
Miresaka amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
Ny teny hoe "volana vaovao" dia ilazana ny fankalazana ny volana vaovao. Ireo koa dia fibangoan-teny ilazana ny fangalazana mahazatra. DH: "ny fankalazanareo ny volana vaovao sy ny fetinareo mahazatra"
Ny volana vaovao dia amin'ny fotoana hamoisehoan'ny volana fahazvana voalohany aorian'ny nahamaizina azy.
Io dia mampitaha ny fahatsapan'Andriamanitra momba ny fankalazan'ny olona amin'ny filanjana zavatra mavesatra. DH: "ireo dia enta-mavesatra izay mahareraka ahy ny mitondra azy"
Io fia fomba fiteny ilazana hoe "tsy hijery anareo Aho" na "Tsy hiraharaha anareo Aho"
Izany no antony tsy hihainoan'Andriamanitra ny vavak'izy ireo. Raha ny izy dia ilazana ny herisetra izay nataon'izy ireo tamin'ny olona ny rà. DH: "satria toy ny hoe feno ny ràn'ireo izay nasianareo ratsy ny tananareo" na "satria meloky ny herisetra ianareo"
Milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
Eto Andriamanitra dia mampitaha ny olona izay mitsahatra tsy manota amin'ny olona izay manasa ny tenany. DH: "Mibebaha ary sasao ny ota hiala amin'ny fonareo tahaka ny fanasanareo loto hiala amin'ny vatanareo"
Tsy nilaza tamin'izy ireo mba hanao asa ratsy Andriamanitra, fa hitsahatra tsy hanao izany. DH: "aoka izay ny fanaovana asa ratsy izay hitako ataonareo"
Ny olona izay mampahory ny hafa dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe nahatonga ny zavatra iray hivilambilana izy ireo ka mila ahitsy, ary miantso azy ireo mba hampahitsy izany zavatra izany indray Izy. Ny teny hoe "fampahoriana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "ataovy azo antoka mba tsy hijaly amin'ny zava-dratsy izay nataonareo taminy intsony ireo olona tsy afa-manoatra nasianareo ratsy"
"mbà marina amin'ireo ankizy tsy manan-dray"
"arovy ny vehivavy izay maty vady"
Manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jodai Yaveh.
Am-pahatsorana sy am-pitiavana Yaveh no manasa ny vahoaka hihaino izay ho lazainy. "Henoy re Aho. Andeha isika" na "Mihainoa; te hanampy anareo Aho. Andeha isika"
"andeha isika handinika momba izany miaraka" na "mila miresaka momba izany isika" na "inona no hataontsika?" Manasa ny vahoaka mba hifampiresaka momba ny ho avy Yaveh. Eto ny teny hoe "isika" dia manondro an'i Yaveh ary tafiditra ao amin'izany ny vahoakan'i Joda.
Ny olona dia resahin'Isaia toy ny hoe manao akanjo izay tokony ho volon'ondry fotsy ary ny fahotany dia toy ny hoe tasy mena eo amin'ny lamba. Raha mamela ny fahotana Yaveh, dia hoy toy ny hoe lasa fotsy indray ny lamban'izy ireo.
Ny jaky dia loko mena midorehitra. DH: "mena midorehitra"
Matetika ny fotsy dia mariky ny fahamasinana sy ny fahadiovana. Ny "oram-panala" dia ilazana ny zavatra iray izay tahaka ny orana mivaingana izay fotsy botsiaka. Satria moa izy ity dia mamaritra zavatra iray izay votsy botsiaka, dia azonao atao ny manolo izany amin'ny zavatra hafa izay fotsy: "fotsy tahaka ny akorandriaka" na "fotsy tahaka ny voromailala." Midika izany fa ho voavela ny helony.
Ny sily dia loko mena antitra. DH: "mena antitra"
Azo atao mazava ny fomba hitovian'izy ireo amin'ny volon'ondry. DH: "fotsy tahaka ny volon'ondry"
Manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Joda Andriamanitra.
Eto ny hoe "vonona" sy "mankatoa" dia miara-ampiasaina hanehoana hevitra iray ihany. DH: "Raha mankatoa an-tsitrapo ianareo"
"hamokatra sakafo tsara hohaninareo ny tany"
"fa raha tsy manaiky ny hihaino ianareo ka tsy mankatoa Ahy kosa"
Ny teny hoe "sabatra" dia ilazana ny fahavalon'i Joda. Ary koa, ny teny hoe "levonina" dia mampitaha ny fahavalon'i Joda izay tonga hamono azy ireo amin'ny bibidia izay mamely ka mihinana ny biby hafa. DH: "ho vonoin'ny fahavalonareo ianareo"
Ny teny hoe "vava" dia manindry fa niteny Yaveh ary izay lazainy dia hitranga tokoa. DH: "Niteny Yaveh" na "Yaveh no nilaza fa hitranga izany"
Milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
Io fehezanteny fanairana io dia manmpiseho ny fahatezeran'Isaia sy ny alahelony momba ireo olon'i Jerosalema. DH: "Indrisy mny vahoakan'i Jerosalema, izay nahatoky tamin'Andriamanitra"
Mampitaha ny olona amin'ny vehivavy izay mivadika amin'ny vadiny fa miara-mandry amin'ny lehilahy hafa hahazoana vola Isaia. Tsy nahatoky tamin'Andriamanitra intsony ny vahoaka fa nanompo andriamanitra sandoka. DH: "manao tahaka ny mpivaro-tena"
Ny teny hoe "izy" dia manondro an'i Jerosalema sy ny vahoakany. Ireo izay nanoratra ny Baiboly matetika dia maneho ireo tanàna ho toy ny vehivavy. DH: "Feno rariny ary nanao ny marina ny vahoakan'i Jerosalema"
Ny teny hoe "izy" dia manondro an'i Jerosalema sy ny vahoakany. Ireo izay nanoratra ny Baiboly matetika dia naneho ireo tanàna ho toy ny vehivavy. DH: "fa ankehitriny kosa dia mpamono olona ny vahoakan'i Jerosalema"
Ireo mety ho heviny dia mampiasa ny volafotsy sy ny divay ho sarinteny Isaia 1) Ny vahoakan'i Jerosalema. DH: "Ianareo dia tahaka ny volafotsy izay tsy madio intsony, ary tahaka ny divay izay miharo rano," na 2) ireo asa tsara izay nataon'ireo olona teo aloha. DH: "Efa nanao asa tsara ianareo, saingy ankehitriny dia mahatonga ny asanareo ho tsy misy lanjany ny asa ratsinareo."
Mila manadio ny volafotsy matetika ny olona raha tsy izany dia tsy hangirana intsony izany.
Ny divay misy rano dia tsy misy tsirony tsara ary noho izany dia tsy tsara noho ny rano izany.
Milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
"Mikomy amin'Andriamanitra ireo mpitondra anareo"
"naman'ireo izay mangalatra amin'ny hafa izy ireo"
Manome "kolikoly" ny olona ho fanomezana ho an'ireo mpanapaka tsy marina mba hanaovan'ireo mpanapaka ireo asa tsy am-pahamarinana. Mandray "tombony" ireo mpanapaka ho fanomezana avy amin'ireo izay mahazo tombony amin'ny lalàna tsy ara-drariny izay navoakan'ny mpanapaka.
Ny olona izay maniry fatratra ny olona iray mba hanome tsolotra dia resahina toy ny hoe mandositra ilay tombony ary manenjika izany ilay olona. DH: "samy maniry ny olona handoa vola aminy ny rehetra mba hanaovana fanapahan-kevitra tsy marina"
"Tsy miaro ireo izay tsy manan-dray izy ireo"
"na mihaino rehefa misy mpananon-tena mankeo aminy hitady fanampiana manoloana ireo izay mandika lalàna" na "ary tsy manampy ireo mpananon-tena izay mankeo aminy hitady fanampiana manoloana ireo izay mandika lalàna izy ireo"
Manomboka milaza ny tenin'i Yaveh amin'ireo vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
"Noho izany antony izany"
Ny teny hoe "fanambarana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "izao no ambaran'ny Tompo"
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Ny teny hoe "Hanao valifaty amin'ireo rafiko" dia miresaka kokoa momba ny fanaovan'i Yaveh izay rehetra mila ataony amin'ireo izay manohitra Azy mba hahafaly Azy. Ny teny hoe "ary hamaly faty ireo fahavaloko ho Ahy" dia miresaka kokoa momba ny famaizan'i Yaveh ara-drariny ny fahavalony. DH: "Hanafay ireo izay manohitra Ahy Aho" na "Hanao izay tiako amin'ireo izay manohitra Ahy Aho, ary ho faiziko ara-drariny ireo fahavaloko"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny fahefan'Andriamanitra izay hampiasainy hamaizana ny olony. DH: "Hanomboka hampiasa ny fahefako hanohitra anareo aho"
Eto ny dingana izay hanesoran'Andriamanitra ny fahotan'ny olony dia resahina toy ny hoe manasaraka ny vy amin'ireo zavatra ratsy izay mifangaro amin'izany Izy. DH: "ary tahaka ny afo izay manala ny loto amin'ny volafotsy, no henesorako ny ratsy tsy ho eo aminareo"
Io dia ilay loto sy zavatra hafa izay esorin'ny olona amin'ny vy mba hampadio azy.
Miresaka amin'ny vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
Izany dia fomba roa ilazana ny ampahany voalohany na ny fiandohan'ny tantaran'Israely, fony vao lasa firenena izy.
DH: "hiantso anareo ny olona hoe"
Eto ny " tanàna" dia ilazana ireo olona monina ao Jerosalema. HD: " tanàna izay marina ny olona ary tsy mivadika amin'Andriamanitra"
Milaza ny tenin'i Yaveh amin'ireo vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
Azo atao mazava ny hevitra fenon'io fanambarana io. Ireo mety ho heviny dia 1) "Hanavotra an'i Ziona i Yaveh satria manao izay marina ny olona ao, ary hanavotra ireo izay mibebaka Izy satria manao izay ambaran'i Yaveh fa marina izy ireo" na 2) "Hanavotra an'i Ziona i Yaveh satria marina Izy, ary hanavotra ireo izay mibebaka Izy satria marina"
Io dia fibangoan-teny ilazana ny "olona izay monina ao an-tendrombohitr'i Ziona.
DH: "Hamotika ireo izay mikomy sy manota aminy Andriamanitra"
DH: "ary ho vitain'i Yaveh tanteraka ny amin'ireo izay miala aminy" na "ary ho vonoin'i Yaveh ireo rehetra mandà azy"
Milaza ny tenin'i Yaveh amin'ireo vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
Ireo andian-teny ireo dia ilazana ireo toerana izay nanompoan'ireo vahoakan'i Joda sampy.
Ny dikan-teny sasany dia manao hoe: "hivoara-mena ianareo nohon'ny." Mivoara-mena ny olona rehefa mahamay sy mena ny tarehiny, izay matetika dia nohon'ny fahatsapany ho nanao ratsy.
Manome aina ho an'ny hazo sy ny saha ny rano. Nofongoran'ny olona niala tamin'i Yaveh, izay manome aina ny tenan'izy ireo.
Milaza ny tenin'i Yaveh amin'ireo vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
"Ny olona mahery" na "Izay rehetra mahery." Mety ilazana ny olona izay manan-danja sy alain'ny olona ohatra izany.
zavatra maina izay mora may.
Io dia mampitaha ny asan'ny olona na ny asa ratsy amin'ny pitik'afo izay milatsaka eo amin'ny vohavoha ka mampirehitra izany. DH: "ho tahaka ny pitik'afo izay mampirehitra afo izany"
1 Ireo zavatra hitan'i Isaia zanak'i Amoza tao anaty, mahakasika an'i Joda sy Jerosalema. 2 Amin'ny andro farany no hanorenana tendrombohitrin'ny tranon'i Yaveh ho tendrombohitra avo indrindra, ary hitsangana eo ambonin'ny havona, ary ireo firenena rehetra hikoriana amin'izany. 3 Olona maro no ho tonga sy hilaza hoe: "Avia, andrha isika hiakatra eny an-tendrombohitr'i Yaveh, any an-tranon'i Andriamanitr'i Jakoba, mba hahafahany mampianatra ny sasany amin'ireo lalany amintsika, ary mba handehanntsika amin'ny lalany." Fa ny lalàna dia hivoaka avy ao Ziona, ary ny tenin'i Yaveh avy any Jerosalema. 4 Hitsara eo amin'ireo firenena Izy ary hanome fanapahan-kevitra ho an'ireo olona maro be; hanorotoro ny sabany izy ireo ho lelan'angady, ary ny lefon'izy ireo ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanandratra ny sabany hanohitra firenena, na hiofana ho amin'ny ady. 5 Ry ankohonan'i Jakoba, avia, ary aoka isika handeha amin'ny fahazavan'i Yaveh. 6 Fa efa nandao ny olonareo ianareo, ry ankohonan'i Jakoba, satria fenon'ny fomban'ny antsinanana izy ireo sy mpamaky fambara toy ireo Filistina, ary nifandray tanana tamin'ny zanaky ny vahiny izy ireo. 7 Feno volafotsy sy volamena ny tanin'izy ireo, ary tsy misy fetrany ny hareny; feno soavaly ihany koa ny tanin'izy ireo, ary tsy misy fetrany ny kalesiny. 8 Feno sampy ihany koa ny tanin'izy ireo; manompo ny asan'ny tanany ihany, zavatra izay nataon'ny ratsan-tanany ihany izy ireo. 9 Hiankohoka ny vahoaka, ary ny olona hianjera; noho izany aza manangana azy ireo. 10 Mandehana any amin'ny toerana feno vato ary miafena amin'ny tany amin'ny horohoron'i Yaveh sy amin'ny voninahitry ny fiandrianany. 11 Ny fiandrandran'ny mason'ny olona dia hahetry, ary ireo olona mireharehareha dia hahidina, ary Yaveh irery ihany no hasandratra amin'izany andro izany. 12 Fa hisy ny andron'i Yaveh tompon'ny maro hanohitra ny olona rehetra izay mirehareha sy misandratra, ary manohitra ny olona rehetra izay miavonavona—ary hahetry izy— 13 ary manohitra ireo sederan'ny Libanona rehetra izay ambony sy nasandratra, ary manohitra ireo hazo terebintan'i Basana rehetra. 14 Fa hanohitra ireo tendrombohitra avo rehetra izany andron'i Yaveh tompon'ny maro izany, sy hanohitra ireo havoana rehetra izay efa nasandratra, 15 ary manohitra ireo tilikambo avo, sy manohitra ireo manda tsy mety rava, 16 ary manohitra ireo sambon'ny Tarsisy rehetra, sy manohitra ireo sambo tsara tarehy rehetra. 17 Ny fireharehan'ny olona dia hahetry, ary ny havonavon'ny olona dia ho hianjera; Yaveh irery ihany no hasandratra amin'izany andro izany. 18 Ho levona tanteraka ireo sampy rehetra. 19 Handeha anaty lava-bato ireo olona ary ao anaty lavakin'ny tany, noho ny horohoron'i Yaveh, sy noho ny voninahitrin'ny fiandrianany, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy. 20 Hanipy ireo sampy volafotsy sy volamena ny olona amin'izany andro izany izay nataon'izy ireo ho tompoina—hanipy ireo any amin'ny voalavo sy ramanavy izy ireo. 21 Handeha anaty lavaka eo amin'ny vato ny vahoaka ary an-tsefatsefakin'ny harambato, noho ny horohoron'i Yaveh sy noho ny voninahitrin'ny fiandrianana, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy. 22 Atsaharo ny fahatokiana ny olona, izay eo amin'ny vavorony ny fofon'ainy, fa inona no hanampian'izany?
Miresaka amin'ireo vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
"Joda" sy "Jerosalema" dia ilazana ny olona izay monina ao. DH: "Ireo izay monina ao Joda sy Jerosalema"
"Amin'ny ho avy"
Io dia azo atao ho 1) famaritana DH: "Hitsangana ny tendrombohitry ny tranon'i Yaveh" na 2) DH: "Hanorina ny tendrombohitra izay nananganana ny tempoliny Yaveh"
Resahin'Isaia toy ny hoe ahavo mivantana ny lanja. DH: "ho tendrombohitra manan-danja indrindra" na "ho toerana manan-danja indrindra eto an-tany"
Resahin'Isaia amin'ny endrika sarinteny toy ny hoe ahavo mivantana ny voninahitra. Io dia azo atao hoe 1) DH: "Hanome voninahitra izany mihoatra noho ny havoana hafa rehetra Yaveh" na 2) atao ho fibangoan-teny ilazana ny olona izay manompo any. DH: "Hanome voninahitra ireo olona izay manompo ao mihoatra noho ny fanomezany voninahitra ireo olona hafa Yaveh"
Eto ny teny hoe "firenena" dia ilazana ny vahoakan'ireo firenena ireo. DH: "ary ny olona avy amin'ny firenena rehetra"
Ny olona manerana ny tany rehetra izay mankany amin'ny tendrombohitr'i Yaveh dia ampitahaina amin'ny fikorian'ny renirano. Io dia manamafy fa maro ny olona ho avy, fa tsy olona vitsy ihany. DH: "hikoriana tahaka ny renirano eo amin'izany" na "hankeo amin'izany"
Miresaka amin'ireo vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
Ny mety ho heviny hafa ihany koa dia "Jakoba. hampianatra antsika ... ary isika dia handeha"
Ny teny hoe "lalana" dia sarinteny ilazana ny fomba fiainan'ny olona. Raha teny iray ihany no hananan'ny fiteninao mba hilazana ny tany izay diavin'ny olona, dia azonao akambana ireo teny ireo. DH: "mba hampianarany antsika mba hahafahantsika mankatoa azy"
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Notsindrian'Isaia fa ny fahamarinana dia hita any Jerosalema. DH: "Hampianatra ny lalàn'Andriamanitra ny vahoakan'i Ziona, ary ny vahoakan'i Jerosalema hampianatra ny tenin'i Yaveh"
Toy ny hoe zavatra tahaka ny renirano izay mandeha ho azy tsy misy manao na inona na inona no filazan'Isaia ny lalàna. DH: "Ireo izay ampianarin'izy ireo ny lalàna dia hivoaka avy ao Ziona" na "Avy ao Ziona no hanambaran'i Yaveh ny lalàny"
"ny tenin'i Yaveh dia hivaoaka avy ao Jerosalema." Toy ny hoe zavatra tahaka ny renirano izay mandeha ho azy tsy misy manao na inona na inona no filazan'Isaia ny lalàna. Azonao atao mazava ny fampahafantarana efa takatra. DH: "Hivoaka avy ao Jerosalema ireo izay nampianarin'izy ireo ny tenin'i Yaveh" na "Avy ao Jerosalema no hanambaran'i Yaveh ny teniny"
Avy ao Ziona no hanambaran'i Yaveh ny lalàny"
"Hitsara ... Yaveh"
"handamina ady"
Hamadika ny fitaovam-piadiany ho fitaovana fambolena ny vahoakan'ny firenena.
Ireo teny ireo dia fibangoan-teny ilazana izay mety ho karazam-pitaovam-piadiana rehetra.
Ireo teny ireo dia fibangoan-teny ilazana izay mety ho karazam-pitaovana izay ampiasain'ny olona amin'ny hetsika milamina rehetra.
"Hamadika ny fitaovam-piadiany ho fitaovana fambolena voa izy ireo." Ny lelan'angady dia antsy ampiasain'ny olona hihadiana tany mba hahafahan'izy ireo mamboly voa ao.
"ho torotoroin'izy ireo ho fanetezam-boaloboka ny lefon'izy ireo" na "hataon'izy ireo ho fitaovana fikarakarana zava-maniry ny lefon'izy ireo." Ny fanetezam-boaloboka dia antsy izay ampiasain'ny olona hanetezana ireo rantsan-kazo tsy ilaina.
"tsy hisy firenena hanandratra ny sabany hanohitra firenena hafa." Ny sabatra dia ilazana ny ady. DH: "tsy hiady amin'ny firenena iray hafa ny firenena iray"
Andrasan'ny mpanoratra ny mpamaky mba hino fa ireo izay miady dia miofana mialohan'ny hiadian'izy ireo ary ny sasany izay miofana dia tsy miady.
Ao amin'ny 2:5 Isaia dia miresaka amin'ny vahoakan'i Joda, ary ao amin'ny 2:6 kosa izy dia miresaka amin'i Yaveh. Samy amin'ny endrika hai-kanto no iresahany amin'ireo.
"Ry taranak'i Jakoba." Ny teny hoe "ankohonana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona izay monina ao anatin'ilay trano, ilay fianakaviana. Eto "Jakoba" dia manondro ny firenen'i Joda, saingy tsara kokoa ny mandika izany hoe "Jakoba" eto.
famporisihana moramora mba hanao izay vao ho lazain'ilay miteny amin'ilay mpihaino mba hataony
Ny olona izay mianatra ary avy eo dia manao izay tian'i Yaveh ho ataon'izy ireo dia resahin'Isaia toy ny hoe mandeha amin'ny alina miaraka amin'ny fanilo izay nomen'i Yaveh izy ireo mba hahafahany mahita ny lalana. DH: "andeha isika hianatra izay fomba tian'i Yaveh hiainantsika ary hiaina araka izany fomba izany"
"Fa efa nandao ny olonao ianao" ary tsy miraharaha izay manjo azy ireo. Eto ny teny hoe "ianareo" dia manondro an'i Yaveh.
Resahin'Isaia toy ny hoe fitoeran-javatra izay feno zavatra avy any atsinanana ny vahoaka. Ireo mety ho heviny dia miresaka momba ny 1) asa izay ataon'ireo olona avy any atsinanana izany. DH: "manao ireo zava-dratsy ataon'ny olona any amin'ny tany atsinanan'Israely foana izy ireo" na 2) ny olona, indrindra fa ireo izay milaza ho miresaka amin'ny maty, izay tonga avy any atsinanana mba hanao asa ratsy. DH: "mpisikidy maro no tonga avy any atsinanana ary monina ao izao"
Olona izay milaza ho afaka manambara ny ho avy amin'ny fijerena zavatra tahaka ny biby sy ravin-kazo.
Ny fifandraisan-tanana dia mariky ny finamanana sy fiahavanana. DH: "mihavana ary miara-miasa amin'ny olona izay tsy avy ao Israely izy ireo"
Miresaka amin'i Yaveh amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
Resahin'Isaia toy ny hoe fitoeran-javatra izay nasian'ny olona volafotsy, soavaly, ary sampy ilay tany. Ny teny hoe "tany" dia ilazana ny olona mihitsy, ary ny teny hoe "feno" dia sarinteny ilazana ny olona manana ireo zavatra ireo. DH: "manana volafotsy marobe izy ireo... manana soavaly maro ihany koa ... Manana sampy maro ihany koa izy ireo"
Saika mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary manindry fa tsy tena andriamanitra ireo. Raha tsy manana teny amin'ny ankapobeny ilazana zavatra izay namboarin'ny olona ny fiteninao, dia azonao akambana ho iray ireo andian-teny ireo. DH: "zavatra izay nataon'izy ireo ihany"
Ny teny hoe "tanana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona mihitsy. DH: "ny asany ihany" na "zavatra izay namboarin'izy ireo tamin'ny tanany"
Ny teny hoe "ratsan-tanana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona mihitsy. DH: "zavatra izay namboarin'izy ireo tamin'ny ratsan-tanany ihany"
Ao amin'ny 2:9 Isaia dia miresaka amin'i Yaveh. Ao amin'ny 2:10-11 kosa Isaia dia miresaka amin'ireo vahoakan'i Joda. Samy amin'ny endrika hai-kanto no hiresahany.
Eto ny fiondrehana amin'ny tany dia ilazana ny olona izay mietry tanteraka satria tsapan'izy ireo fa izay nitokiany rehetra dia tsy misy dikany avokoa, io dia azo atao hoe DH: "Hampahamenetra ny vahoaka Andriamanitra, ary ho fantatr'izy ireo fa izay nitokiany rehetra dia tsy misy dikany avokoa"
olombelona, mifanohitra amin'ny biby
Ny teny hoe "manangana azy ireo" dia sarinteny ilazana an'i Yaveh mamela ny olona. DH: "aza mamela azy ireo"
Ireo mety ho heviny dia tokony handeha 1) any anaty zohy eny amin'ny sisin'ny havoana na 2) any amin'ny toerana izay feno vato be izay azo hiafenana ny olona.
Ireo mety ho heviny dia tokony handeha hiafina 1) any an-davaka any ambany tany voajanahary na 2) any anaty lavaka izay lavahan'izy ireo ao amin'ny tany ny olona.
Ny teny hoe "horohoro" dia azo adika amin'ny matoanteny "mihorohoro". DH: "hiala amin'ny fanatrehan'i Yaveh mampihorohoro" na "hiala amin'i Yaveh satria hatahotra Azy tanteraka ianao"
"ny fahatsarany sy ny heriny amin'ny maha-mpanjaka Azy" na "ny famirapiratany amin'ny maha-mpanjaka Azy." Adikao araka ny ao amin'ny 2:9.
"Hahetrin'i Yaveh ny fianjonanjon'ny mason'ny olona." Ny olona manana maso "mianjonanjona" dia mijery ambonin'ny olona rehetra mba hampisehoana amin'izy ireo fa tsara noho izy ireo izy. Eto ny olona rehetra dia meloka nohon'ny fiheverana fa tsara noho Yaveh izy ireo, ary ny fomba fijerin'izy ireo an'izay manompo an'i Yaveh dia ilazana ny fieboeboan'izy ireo. DH: "Hataon'i Yaveh menatra ny olona rehetra satria mihevi-tena ho tsara noho Izy''
"hataon'i Yaveh menatra ny tenany ihany ireo olona mirehareha." DH: "Hahetrin'i Yaveh ny fireharehan'ny olona." "Ny fireharehan'ny olona" dia ilazana ny olona mirehareha. DH: "Hahetrin'i Yaveh ireo olona mirehareha"
DH: "Yaveh ihany no ho derain'ny olona"
Fomba fiteny io. DH: "amin'ny andro izay hitsaran'i Yaveh ny olon-drehetra"
Miresaka amin'ireo vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia.
Ny olona izay "misandratra" dia mirehareha ary mihevi-tena ho tsara noho ny hafa. DH: "izay mirehareha ary manandra-tena ho ambonin'ny olona" na "izay mirehareha ary mihevitra fa tsara noho ny hafa izy"
Ny olona izay miavonavona dia miteny ary manao toy ny hoe tsara noho ny hafa. Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy hevitra ary miara-ampiasaina mba hanindriana fa hanafay azy ireo Yaveh.
"ny olona rehetra mirehareha dia hahetry" DH: "hahetrin'i Yaveh izy"
Ny "andron'i Yaveh Tompon'ny maro" dia hanohitra ny sedera sy ny hazo terebinta. Ireo mety ho heviny dia 1) ireo hazo ireo dia sarinteny ilazana ny olona mirehareha izay ho tsarain'Andriamanitra na 2) ho potehin'Andriamanitra tokoa ireo hazo matanjaka ireo.
Miresaka amin'ireo vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia. Manohy mamaritra izay hitranga amin'ny andron'i Yaveh Tompon'ny maro izy (2:12).
Ao amin'ny 2:14-16 Isaia dia mitanisa zavatra izay ho potehin'i Yaveh. Ireo mety ho heviny dia 1) manondro ireo olona mpirehareha izay hahetrin'Andriamanitra io na 2) Ho potehin'Andriamanitra tokoa ireo zavatra ao anaty lisitra ireo.
Ireo teny ireo dia sarinteny ilazana ny fireharehan'ny Israelita. Hita ao amin'ny 2:1 ihany koa ireo.
Fo fiteny io. DH: "avo dia avo ireo"
Ireo dia manondro ireo zavatra izay atsangan'ny olona manodidina ny tanànany mba hahafahan'izy ireo miaro-tena amin'ny fahavalony. Ireo dia sarinteny ilazana ny fireharehan'ny Israelita sy ny finoany fa tsy mila an'i Yaveh izy ireo ary afaka mijoro hanohitra ny famaizana izay hataon'i Yaveh amin'izy ireo nohon'ny fahotany.
"manda izay tsy misy afaka mandrava na miditra"
Ireo dia ilazana ny sambo lehibe izay nandehanan'ny olona lavitra an-dranomasina ary hiverenany hitondra etam-barotra ho an'ny tanàna.
"sambo izay andehanan'izy ireo ho any Tarsisy"
Miresaka amin'ireo vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia. Manohy mamaritra izay hitranga amin'ny andron'i Yaveh Tompon'ny maro izy (2:12).
DH: "Hahetriny ny olona mirehareha rehetra" na "Halainy baraka ny olona mirehareha rehetra"
Ny teny hoe "avonavona" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "ireo olona izay miavonavona dia hitsahatra tsy hanao izany"
DH: "Yaveh ihany no ho derain'ny olona." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 2:9.
"Hanjavona ireo sampy" na "Tsy hisy sampy intsony"
Azo atao mazava ny hevitr'io fanambarana io feno. DH: "Handeha ... hiafina ny horohoron'i Yaveh... ny olona"
"lavaka anaty vato." Ireo dia vato lehibe, fa tsy vato kolonjy izay azo fihinina eo an-tanana.
Adikao araka ny ao amin'ny 2:9.
satria matahotra mafy an'i Yaveh izy ireo
Eto ny teny hoe "voninahitra" dia mamaritra ny "fiandrianana." DH: "ny hatsaran'ny maha-mpanjaka Azy''
"rehefa mihetsika Yaveh ka mahatonga ny olona ety an-tany hatahotra azy mafy"
Miresaka amin'ireo vahoakan'i Joda amin'ny endrika hai-kanto Isaia. Manohy mamaritra izay hitranga amin'ny andron'i Yaveh Tompon'ny maro izy (2:12).
Ny trandraka dia biby madinika izay mihady lavaka ary mipetraka any ambany tany. Ny ramanavy indray dia biby madinika manidina izay mipetraka anaty laza-bato matetika. DH: "ho an'ny biby"
Raha tsy manana teny roa samihafa ilazana ny lavaka eo amin'ny vato sy "harambato", ilay elanelana eo amin'ny vato roa rehefa mitriatra izany, ny fiteninao dia azonao akambana ho andian-teny iray ihany ireo andian-teny roa ireo.
satria matahotra mafy an'i Yaveh izy ireo. Adikao araka ny ao amin'ny 2:17.
"ny hatsarana sy heriny lehibe amin'ny maha-mpanjaka Azy" na "ny famirapiratany amin'ny maha-mpanjaka Azy." Adikao araka ny ao amin'ny2:9.
"rehefa mihetsika Yaveh ka mahatonga ny olona ety an-tany hatahotra Azy mafy." Adikao araka ny ao amin'ny 2:17.
Ny orona dia malemy ary ny vavorona dia tsy mahafatifaty, koa ny orona dia ilazana ny olona izay osa. DH: "izay osa ka ho faty" na "izay mila fofonaina ao amin'ny orony mba ho velona"
ireo lavaka eo amin'ny orona izay hiainan'ny olona
Mampiasa fanontaniana Isaia mba hampatsiahivana ny olona ny zavatra izay tokony efa ho fantany. Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "fa tsy hanampy na inona na inona ny olona!" na "fa tsy misy dikany ny olona"
1 Indro, Tompo Yaveh tompon'ny maro dia efa hanaisotra mpiandraikitra sy vatsy amin'i Jerosalema sy Joda: dia ny famatsia-mofo rehetra, sy ny famatsian-drano rehetra; 2 ny lehilahy mahery, ny mpiady, ny mpitsara, ny mpaminany, ny mpamaky fambara, ny loholona; 3 ny kapitenin'ny dimampolo, ny mponina manan-kaja, ny mpanolo-tsaina, ny mpanao asa-tanana za-draharaha, ary ny mpimasy kinga. 4 "Zatovo fotsiny ihany no hapetrako ho mpitarika azy ireo, ary ireo tanora no hanapaka eo amin'izy ireo. 5 Hampahoriana ny vahoaka, ny tsirairay ampahorian'ny hafa, ary ny tsirairay ampahorian'ny namany; ny zaza no hanaraby ny zokiolona, ary hihantsy ireo mendri-kaja ireo nambaniana. 6 Haka ny rahalahiny ao an-tranon-drainy mihitsy aza ny olona iray ka hiteny hoe: 'Manana akanjo ianao; meteza ho mpanapaka anay, ary aoka izao faharavana izao ho eo an-tananao.' 7 Amin'izany andro izany dia hitabataba izy ka hiteny hoe: 'Tsy ho mpanasitrana aho; tsy mana-mofo aho na fitafiana. Tsy hanao ahy ho mpanapaka ny vahoakanao ianao."' 8 Fa lavo Jerosalema, ary nianjera i Joda, satria manohitra an'i Yaveh ny fiteniny sy ny asany, mihantsy ny mason'ny voninahiny. 9 Ny fijerin'ny tavany dia vavolombelona miampanga azy ireo; ary ambaran'izy ireo tahaka an'i Sodoma ny fahotany; tsy mba hafeniny izany. Loza ho azy ireny! Fa nahatanteraka loza be ho azy ireo ihany izy. 10 Lazao ny olo-marina fa tsy haninona, fa hihinana ny vokatry ny asany izy ireo. 11 Loza ho an'ny ratsy fanahy! Fa ho rasty ny hanjo azy, fa ny valin'ny asan'ny tanany no hatao aminy. 12 Ry oloko—ankizy no mpampahory azy ireo, ary vehivavy no manjaka eo aminy. Ry oloko, ireo izay mitarika anareo dia mamily lalana anareo ary mampisafotofoto ny lalan-kizoranareo. 13 Mitsangana nohon'ny fiampangana Yaveh, mitsangana hiampanga ny olona Izy. 14 Ho avy amin'ny fitsarana hanohitra ireo loholon'ny olony sy ireo mpitariny Izy hoe: "Namotika ny tanim-boaloboka ianareo; ao an-tranonareo izay voaroba avy tamin'ny mahantra. 15 Nahoana ianareo no manorotoro ny oloko ary manosiosy ny tavan'ny mahantra?" Izany no fanambaran'i Tompo Yaveh tompon'ny maro. 16 Izany no lazain'i Yaveh satria mirehareha ny zanaka vavin'i Ziona, mandeha amin'ny loha mianjonanjona, ary mangarika amin'ny masony, mijaikojaiko am-pandehanana raha mampikoritsandritsana amin'ny tongony, 17 noho izany dia hampisy aretina manakom-pery eo an-dohan'ny zanaka vavin'i Ziona ny Tompo, ary hataon'i Yaveh sola izy ireo. 18 Amin'izany andro izany dia hanala ireo firavaky ny ranjo tsara tarehiny, ireo fehilohany, ireo fihaingona sari-volana, 19 ireo kavina, ireo rojon-tanana, sy ireo voaly; 20 ireo saron-doha, ireo rojon-kitro, ireo fehin-kibo, sy ireo vata fasiana ranomanitra, ary ireo ravaka mitondra vintana ny Tompo. 21 Ho esoriny ireo peratra sy ireo kavin'orona; 22 ireo akanjo lava fanaovana lanonana, ireo kapoty, ireo voaly, ireo poketra kely; 23 ireo fitaratra kely, ireo atin'akanjo rongony fotsy madinika, ireo haingon-doha, ary ireo fisaronana. 24 Hamaimboana no ho solon'ny ranomanitra mamerovero; ary tady no ho solon'ny fehin-kibo; loha sola no ho solon'ny volo tsara-hogo; ary lamba fisaonana no ho solon'ny akanjo lava; ary fitomboka mahamay ho solon'ny fahatsarana. 25 Ho lavon-tsabatra ny lehilahinareo, ary ho lavo an'ady ireo lehilahy maherinareo. 26 Hitomany ny vavahadin'i Jerosalema ka hisaona; ary ho irery izy ary hitorombona amin'ny tany.
Ny teny hoe "Indro" eto dia manamafy hevitra izay manaraka eo. Azo adika hoe "Henoy" na "Eny tokoa" ihany koa io.
Samy ilazana tehina fandehanana ireo teny roa ireo, izay iankinan'ny olona hanohana azy. Io hevitra io eto dia ilazana ireo zavatra izay ilain'ny olona indrindra mba hahavelona: dakafo sy rano. DH: "izay rehetra manohana anareo" na "izay rehetra iankinanareo"
Ity dia lisitr'ireo sokajin'olona izay iankinan'ny olona hafa. Tsy manondro olona iray manokana ireo dia azo atao manondro olona maro tahaka ny ao amin'ny UDB. DH: "ireo lehilahy mahery... ireo mpimasy kinga"
Ireo dia olona izay milaza ho afaka milaza ny ho avy amin'ny fijerena biby na ravin-kazo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:5.
Ity dia fomba fiteny ilazana ny kapiteny izay miandraikitra miaramila dimampolo. Azo adika amin'ny fiteny mivelatra kokoa izany. DH: 'ny mpifehin'ny miaramila" na "ny mpitarika miaramila"
"50"
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Ireo mety ho eviny dia 1) "Hasiako zavtovo ho mpitondra azy ireo, ary ireo zatovo ireo no hanapaka azy ireo" na 2) ny hoe "tanora" dia sarinteny ilazana ny olona tsotra sady adala. DH: "Hasiako mpitondra tsy matotra eo amin'izy ireo, tahaka ny zatovo, ary hanapaka eo aminy ireo mpitondra ratsy ireo"
Eto ny mpisolo-tena tampisaka "-ko" dia manondro an'i Yaveh. Azo atao mazava io. DH: "Hoy Yaveh: "Zatovo fotsiny ihany no hapetrako ho mpitondra azy ireo"
DH: "Ho lozabe amin'ny hafa ny tsirairay ary hampijaly ny namany"
"ireo olona tsy misy voninahitra" na "olona izay tsy misy manaja"
"olona manam-boninahitra" na "olona hajain'ny olona"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny fahefana. DH: "iantohy izay faharavana izao" na "manapaha eto amin'izao faharavana izao"
Ireo mety ho heviny dia 1) maro na ny ankamaroan'ny tanàna ao Jerosalema no rava na 2) tsy miroborobo na misy fitarihana intsony ny vahoaka ao Jerosalema. DH: "ity tanàna, izay efa rava ity"
Ny famahana ny olona'ny vahoaka dia resahina toy ny hoe fanasitranana azy ireo. DH: "Tsia, tsy afaka hamaha izao olana izao Aho" na "Tsia, tsy hanampy anareo Aho"
Manomboka manisy fanehoan-kevitra amin'ity toe-javatra ity ny mpaminany.
Ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe lavo ka nianjera.
Eto ny "maso" dia ilazana an'Andriamanitra mihitsy, izay be voninahitra.
Ny endrika fiavonavonana eo amin'ny tavan'ny olona dia resahina toy ny hoe olona izay afaka mijoro vavolombelona miampanga ny olona izany endrika izany. DH: "Ny endrika mieboebo eo amin'ny tavan'izy ireo dia manohitra an'i Yaveh"
Eto ny vahoakan'i Joda dia ambara fa tahaka ny vahoakan'i Sodma, satria nirehareha momba ny fahotany ampahibemaso izy ireo. DH: "tahaka ny vahoakan'i Sodoma, dia milaza momba ny fahotany izy ireo ary mampahafantatra ny olona momba izany"
Mbola ho avy ny loza, saingy vita ny fanaovan'ny olona ny zavatra izay miteraka izany. Ny nahatonga ireo loza eto dia resahina toy ny hoe ilay loza mihitsy. DH: "Fa nataon'izy ireo ny zavatra rehetra izay mahatonga ny loza ho avy"
"Lazao ireo izay manao ny marina fa hatao tsara ny zava-drehetra ho azy"
Ilazana ny olo-marina amin'ny ankapobeny io. DH: "ireo olo-marina"
Ny asa dia resahina toy ny hoe hazo manome voankazo izay azo hanina. Ny vokatra dia ilazana ny valisoa amin'ny fanaovan-tsoa. DH: "fa handray ny valisoany amin'ny fanaovan-tsoa izy ireo" na "fa handray ny valisoany amin'ny zavatra tsara izay nataony izy ireo"
Ny lahatsoratra Hebreo dia manondro olona maro saingy raha ny izy dia manondro izay olo-marina rehetra io. Mahazo misafidy ny handika izany amin'ny fanondroana olon-tokana ny mapndika teny: "hihinana ny vokatry ny asany izy"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny asa izay vitan'ny olona. DH: "fa izay nataon'ny raytsy fanahy tamin'ny hafa no hatao aminy"
Ireo mety ho heviny dia 1) Isaia no miteny ary ny mpisolo-tena tampisaka "-ko" dia manondro an'Isaia, na 2) Yaveh no miteny ary ny mpisolo-tena tampisaka "-ko" dia manondro an'i Yaveh.
Ireo mety ho heviny dia 1) "zatovo no lasa mpitondra azy ireo ary mampahory ny vahoaka ireo" na 2) "tsy matotra ny mpitondra azy ireo tahaka ny ankizy ary mampahory ny olona"
Ireo mety ho heviny dia 1) "vahivavy no manjaka eo amin'ireo vahoaka" na 2) "malemy tahaka ny vehivavy ny mpitondra azy ireo."
Efa nahazatra tany amin'ny Asia Afovoany ny miresaka momba ireo mpitondra tahaka ny hoe mpiandry ondry. Tahaka ny fitarihan'ny mpiandry ny ondry amin'ny lalana tsara am-pilaminana, dia tokony hampianatra ny olona ny marina sy hanampy azy ireo hanao izay mety ihany koa ireo mpitondra. Tsy nanao izany ireo mpitondra an'i Joda. DH: "tahaka ny mpiandry ondry ratsy ny mpitondra anareo izay mitarika anareo lavitry ny lalana tsara ary tsy mampiseho anareo izay tokony haleha"
Resahin'Isaia toy ny hoe mitondra fiampangana any amin'ny fitsarana hanohitra ny vahoakan'Israely ny fanapahan-kevitr'i Yaveh hanisy ratsy ny vahoaka. Ny ampahany faharoa amin'ity andinin-tsoratra ity dia mitovy hevitra amin'ny ampahany voalohany ihany, saingy amin'ny fomba feno kokoa no ilazany izany. DH: "Toy ny hoe naka toerana teo amin'ny fitsarana Yaveh ary vonona ny hiampanga ny olona"
Ny fitsarana dia resahina toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona entina eo amin'ny olon-kafa. DH: "hanambara fitsarana aho" na "hanambara izao fitsarana izao aho"
Eto ny mpisolo-tena "ianareo" dia manondro ireo loholona sy mpanapaka. Resahin'i Yaveh toy ny hoe tanim-boaloboka ny olony. Tahaka ny olona izay tsy mahavita mikarakara tanim-boaloboka hany ka tsy manome voany ilay voaloboka, dia toy izany koa ireo mpitondra izay manakivy ny Israelita tsy hanompo an'Andriamanitra. DH: "Tahaka ny tanim-boaloboka ny oloko, ary nopotehinareo izany"
"ao an-tranonareo ireo zavatra izay nalainareo avy tamin'ny mahantra"
Azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra ny mpamaritra anarana. DH: "ireo izay mahantra"
Mametraka io fanontaniana io Yaveh mba hiampangana ny mpitondran'ny vahoaka. Io fiampangana io dia azo atao fanambarana tsotra. DH: "Tezitra aminareo Aho fa manorotoro ny oloko ary manosiosy ny tavan'ny mahantra ianareo!"
Ny fampijaliana olona dia resahina toy ny hoe manorotoro azy ireo amin'ny lanja mavesatra be. DH: "mamely ny olona amin'ny fomba lozabe"
Ny fampijaliana olona dia resahina toy ny hoe manosiosy ny tavany amin'ny tany. DH: "manisy ratsy ny olona mba hampijaly azy ireo"
Ziona, izay midika hoe tanànan'i Jerosalema eto, dia resahina toy ny hoe vahivavy miaraka amin'ny zanany vavy. DH: "ireo vehivavin'i Ziona"
Amin'ny fomba miavonavona no dikan'izany.
Eto ny "masony" dia ilazana ny fomba fijerin'ny vehivavy ny lehilahy. DH: "Mitady hisarika ny lehilahy amin'ny fomba fijeriny azy"
"manao kely dingana am-pandehanana"
"mba hikorintsana ireo rojo eo amin'ny ranjony" na "mba hisy feony ireo lakolosy kely eo amin'ny ranjony"
Manohy mamaritra ny fomba hitsaran'Andriamanitra ireo vehivavin'i Jerosalema ihany ity.
Eto ny hoe "hanala" dia ilazana ny fampanesorana zavatra ny hafa. DH: "ataon'i Yaveh manala"
haingo izay anaovan'ny vehivavy eo amin'ny ranjo, eo amboniny tongotra mihitsy
haingo izay anaovan'ny vehivavy eo amin'ny eo amin'ny loha sy volo
firavaka sari-volana izay anaovan'ny olona amin'ny finoana fa hiaro azy ireo amin'ny ratsy izany
firavaka izay mihantona eo amin'ny sofina na mipetaka eo amin'ny sofina
haingo izay anaovan'ny vehivavy eo amin'ny eo tanana
lamba manify dia manify ampiasaina hanaronana ny loha na tarehin'ny vehivavy
ravin-damba lava, manify izay afatotry ny vehivavy manodidina ny loha na volo
Izany dia haingo izay anaovan'ny vehivavy eo amin'ny eo amin'ny tongotra. Matetika ireo rojo dia mihantona milatsaka ambany mba hamoaka feo malefaka.
tapa-damba ampiasain'ny olona manodidina ny valahana na misadika eo amin'ny tratra
vata na kitapo kely misy ranomanitra izay anaovan'ny vehivavy eo amin'ny rojo na tady kely manodidina ny tenda mba hahamanitra azy ireo
fiaravaka anaovan'ny olona amin'ny finoana fa hitondra vintana tsara izany
haingo izay anaovana eo amin'ny ratsan-tanana
haingo izay anaovan'ny vehivavy eo amin'ny eo orona
ankanjo lava sy mikirazorazo misy haingo izany anaovana eo ivelan'ny akanjo mba ho hitan'ny olona rehetra
lamba anaovana eo amin'ny soroka ivelan'ny akanjo
Adikao araka ny ao amin'ny 3:18.
kitapo hitondrana zavatra kely
zavatra kely, hazonina eny an-tanana ary ampiasaina hijerena ny tavan'ny olona
lamba malefaka anaovan'ny olona tena manan-karena
lamba na satroka kely anaovana eo amin'ny volo
akanjo fihaingoana izay hisaronan'ny vehivavy ny tenany mba hahamanja azy
tapa-damba ampiasain'ny olona manodidina ny valahana na misadika eo amin'ny tratra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 3:18.
Mety hilazana ny tady izay afatotry ny fahavalo eo aminb'ny vahoakan'i Joda izany rehefa nambabo azy izy ireo. Na koa mety midika izany fa tsy hisy na inona na inona hanaovan'ny vehivavin'i Jerosalema afa-tsy lamba voafehin-tady.
"ho solon'ny volo tsara tarehy, dia ho sola ny lohan'izy ireo"
Ny fahalavoana dia midika fahafatesana, ary ny sabatra dia maneho ady. DH: "Ho faty an'ady ireo lehilahinareo, ary ireo tovolahinareo dia ho faty an'ady" na "Hamono ny miaramilanareo an'ady ny fahavalo"
Resahin'Isaia toy ny hoe olona ireo vavahadin'ny tanàna mitomany ary ataony fibangoan-teny ilazana ny olona izay hitomany eny ankalamanjana akaikin'ny vavahady. DH: "Hipetraka eo amin'ny vavahadin'ny tanàna ny vahoakan'i Jerosalema ary hitomany sy hisaona"
Ny vahoakan'i Jerosalema, izay tsy hisy hanavotra amin'ny fahavalony, dia resahin'Isaia toy ny hoe ilay tanàna mihitsy ary toy ny hoe vehivavy izay mitorombona amin'ny tany satria nandao azy ireo namany.
1 Amin'izany andro izany hisy vehivavy fito hitazona lehilahy iray ka hiteny hoe: "Ny sakafonay ihany no hohaninay, ny fitafianay ihany no hotafianay. Fa aoka izahay haka ny anaranao hanesorana ny henatray." 2 Amin'izany andro izany ny sampan'i Yaveh dia hafinaritra sy be voninahitra, ary ny vokatrin'ny tany dia hatsiro sy hafinaritra ho an'ireo sisa velona any Israely. 3 Fa izay tavela any Ziona sy izay sisa tavela any Jerosalema dia hantsoina hoe masina, ny tsirairay izay voasoratra ho velona any Jerosalema. 4 Hitranga izany rehefa hanasa ny fahaloton'ireo zanaka vavin'ny Ziona ny Tompo, ary hanasa ny rà izay mandoto hatramin'ny afovoan'i Jerosalema, amin'ny alalan'ny fanahin'ny fitsarana sy ny fanahin'ny afo mirehitra. 5 Ary eo ambonin'ny fitoeran'ny tendrombohitr'i Ziona manontolo sy eo amin'ny toeran'ny fiangonany, Yaveh dia hamorona rahona sy setroka amin'ny andro, ary famirapiratan'ny afo mirehitra amin'ny alina; ary ho sarona ambonin'ny voninahitra rehetra izany. 6 Ho alokaloka fialofana amin'ny hafanana izany amin'ny andro, ary ho fialofana sy ho fiarovana amin'ny tafiotra sy ny orana.
Io andian-teny io dia midika hoe "avelao izahay hanambady anao"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny "sampana" dia fibangoan-teny izay maneho ny vokatra izay hampanirian'i Yaveh eo amin'ny tanin'Israely. DH: "Hataon'i Yaveh tsara tarehy ny vokatra ao Israely" na 2) ny "sampana" dia sarinteny ilazana ny Mesia.
"ho feno fahatsarana sy voninahitra"
Ny "vokatra" indraindray dia ilazana ny sakafo vokarin'ny tany tsotra izao, ary indraindray izay dia ilazana fitahiana ara-panahy. Ireo mety ho heviny dia 1) Hahatonga ny tany hamokatra sakafo tsara indray Andriamanitra. DH: "ireo olona izay mbola any Israely dia hisitraka ireo sakafo tsara indrindra avy amin'ny tany" na 2) ny Mesia ho avy dia hitondra fitahiana ara-panahy ho an'ireo vahoaka ao amin'ny tany.
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Eto ny hoe "izay" dia tsy manondro olona iray manokana fa manondro ny olona amin'ny ankapobeny izay mbola velona ao Jerosalema. DH: "ny olon-drehetra tavela any Jerosalema"
DH: "ho antsoin'ny Tompo hoe masina izy ireo" na "ho an'ny Tompo"
DH: "ny olon-drehetra izay ao amin'ny lisitry ny olona izay monina ao Jerosalema ny anarany"
Io fiteny io dia miresaka momba ny fahotana toy ny hoe loto. DH: "aorin'ny hanesoran'ny Tompo ny fahotan'ny zanaka vavin'i Ziona tahaka ny fanasan'ny olona ny loto"
Ireo mety ho dikany dia 1) ireo vehivavin'i Jerosalema na 2) ny vahoakan'i Jerosalema.
Ny "tasin-drà" eto dia ilazana ny herisetra sy vono olona. DH: "sy hanala ireo izay manisy ratsy ny tsy manan-tsiny ao Jerosalema"
Izany no fomba hanesoran'Andriamanitra ny fahotana amin'i Jerosalema. Eto ny "fanahy" dia mety maneho hetsika fitsarana sy fandorana. DH: "amin'ny fitsarana sy afo mandoro"
Ireo mety ho heviny dia 1) Hanafay ny olona Yaveh na 2) Hanambara ny olona ho meloka Yaveh.
Ireo mety ho heviny dia 1) Io dia sarinteny izay midika fa hesorin'i Yaveh hiala ao Ziona tahaka ny fanalan'ny afo ny fahalotoana ny mpanota na 2) ny "afo mirehitra" dia ilazana ny fandringanana ny mpanota amin'ny ankapobeny.
Ireo mety ho heviny dia 1) sarona hiarovana ny tanàna be voninahitra, na 2) sarona izay ilazana ny voninahitr'i Yaveh izay hiaro ny tanàna. Raha ny dikany voalohany no arahina, dia mety hidika izany avy eo fa be voninahitra ilay tanàna satria ao amin'izany ny fanatrehan'Andriamanitra.
Izany dia lamba izay mihantona eo amin'ny zavatra iray mba hanaronana izany hiarovana azy.
1 Avelao aho hihira ho an'ny malalako tsara, hiran'ny malalako momban'ny tanim-boalobony. Nanana tanim-boaloboka teo amin'ny havoana tena lonaka ny malalako tsara. 2 Nasainy izany, nafindrany ireo vato, ary namboly izany tamin'ny karazam-boaloboka tena tsara izy. Nanangana tilikambo teo afovoan'izany izy, ary koa nanangana famiazanam-boaloboka. Niandry izany izy hamokatra voaloboka, saingy voalobo-dratsy ihany no namoha. 3 Ary ankehitriny, ny mponin'i Jerosalema sy ny olon'i Joda, dia mitsara ahy sy ny tanim-boaloboko. 4 Inona koa no tokony natao tamin'ny tanim-boaloboko, izay mbola tsy vitako taminy? Rahoviana no naniry izany mba hamokatra ireo voaloboka aho, nahoana no namokatra voalobo-dratsy izany? 5 Ary izao ho teneniko anareo izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko: Halako ny fefy, havadiko ho ahitra izany, dia ho ravaiko ny mandany, ary ho voahitsaka izany. 6 Ho simbasimbaiko izany, ary tsy ho voarakotra na voakarakara. Fa kosa, ireo hery sy ireo tsilo no hitsimoka. Ho baikoiko ihany koa ny rahona tsy hanorana eo aminy. 7 Fa ny tanim-boalobok'i Yaveh Tompon'ny maro no taranak'Israely, ary ny lehilahin'ny Joda no voly tiany; niandry ny rariny izy, kanjo, famonoana no nisy; ny fahamarinana, kanjo, fihiakin'ny fitarainana no solon'izany. 8 Loza ho an'ireo izay mampifandray ny isan-trano, izay mampifandray ny isan-tsaha, ambarapaha-tsy misy efitra tavela, ka ianareo irery no sisa hitoetra eo amin'ny tany! 9 Hoy Yaveh Tompon'ny maro tamiko, trano maro no ho foana, na dia lehibe sady tsara aza, tsy misy mpitoetra. 10 Fa bata iray monja no ho vokatry ny voaloboka folo zemeba, ary efaha iray monja no ho vokatry ny voanjavatra iray homera. 11 Loza ho an'ireo izay mifoha vao mangiran-dratsy mba hahazo zava-pisotro mahery, ireo izay mijanona amin'ny alina mandra-pahamamon'ny divay azy ireo. 12 Nanasa tamin'ny harpa, lokanga, ny ampongatapaka, ny sodina, ary ny divay izy ireo, kanefa tsy nihevitra ny asan'i Yaveh izy ireo, na koa nihevitra ireo zava-bitan'ny tanany. 13 Koa efa lasan-ko babo nohon'ny tsy fahampian'ny fahazavan-tsaina ny oloko; ho noana ireo mpitarika mendri-kaja azy ireo, ary tsy hisy ho sotroina ireo vahoakany. 14 Koa efa nataon'ny Fiainan-tsy hita ho lehibe ny homany ary nosokafany misanasana ny vavany; ary nidina tany amin'ny Fiainan-tsy hita, ireo sangany, ny vahoaka, ireo mpitariny, ary ireo mpampiseo sy ireo izay faly teo amin'izy ireo. 15 Ny olona ho terena hiankohoka, ary ny olombelona dia hahetry; ny mason'ny avo dia hahidina. 16 Yaveh Tompon'ny maro dia hisandratra amin'ny fitsarany, ary ilay Andriamanitra Ilay Masina haneho ny tenany ho masina amin'ny alalan'ny fahamarinany. 17 Ary ny ondry dia hifahana toy ny eny amin'ny tanim-bilony ihany, ary tao amin'ny korontana, ireo zanak'ondry dia hihinana toy ny vahiny. [1]18 Loza ho an'ireo izay mitari-keloka amin'ny kofehy tsy misy ilana azy ary izay mitarik'ota toy ny hoe amin'ny tadin-tsarety izany. 19 Loza ho an'ireo izay milaza hoe: "Aoka handondona Andriamanitra, aoka hiasa faingana Izy, mba afahantsika mahita ny fisehon'izany; ary aoka ho tonga ny fikasan'Ilay Masin'Israely, mba hafantarantsika azy ireo." 20 Loza ho an'ireo izay milaza ny ratsy ho tsara, ary tsara ho ratsy; izay manambara ny aizina toy ny mazava, ary mazava toy ny aizina; izay milaza ny mangidy ho mamy, ary ny mamy ho mangidy! 21 Loza ho an'ireo izay hendry eo imasony ihany, ary malina amin'ny fahazavan-tsainy ihany! 22 Loza ho an'ireo izay tompon-daka amin'ny fisotroana divay, ary tompony amin'ny fangaroana fisotro mahery; 23 izay manome tsiny ny ratsy fanahy ho amin'ny fanefana, ary manaisotra ny tsy manan-tsiny amin'ireo mariny! 24 Koa tahaka ny lelan'afo mandevona mololo, ary tahaka ny ahitra maina levon'ny afo, dia ho lo ny fakan'ireo, ary ho voatsoka tahaka ny vovoka ireo felany. Hitranga izany satria nanda ny lalan'i Yaveh Tompon'ny maro izy ireo, ary satria efa nanao tsinotsinona ny tenin'Iray Masin'Israely. 25 Ka noho izany ny fahatezeran'i Yaveh dia nirehitra amin'ireo olony. Efa naninjitra ny tanany manohitra azy ireo ary efa nanasazy azy ireo Izy. Hangovitra ireo tendrombohitra, ary ny fatin'izy ireo dia tahaka ny fako eny an-dalana. Amin'izany zavatra rehetra izany, dia tsy mbola miafana ny hatezerany; fa kosa, mbola hihinjitra ihany ny tanany. 26 Ary hanangana faneva famantarana ho an'ireo firenena lavitra Izy ary hisioka ho an'ireo izay any am-paran'ny tany. Indro, ho avy faingana ary avy hatrany izy ireo. 27 Tsy misy reraka na tafintohina amin'izy ireo; ary tsy misy rendrehana na matory. Na mivaha ny fehin-kibon'izy ireo, na tapaka ny fehin-kapany. 28 Maranitra ny zana-tsipìkany ary mienjana ny tsipìkany rehetra; ny kitron-tsoavalin'izy ireo dia tahaka ny afovato, ary ny kodiaran-kalesiny tahaka ny tafio-drivotra. 29 Ny fierony dia ho tahaka ny liona; ary hierona tahaka ny zana-diona izy ireo. Dia hierona sy hisambotra ny haza ireo ary hitaritarika izany, ary tsy hisy hamonjy. 30 Amin'izany andro izany dia hierona hanohitra ny haza tahaka ny fieron'ny ranomasina izy ireo. Raha misy olona mijery ny tany, dia hahita haizina sy fijaliana izy; na dia ho maizin'ny rahona aza ny hazavana.
Milaza fanoharana momba ny mpamboly sy ny tanim-boalobony Isaia. Maneho an'Andriamanitra ilay mpamboly ary ny tanim-boaloboka dia maneho ny vahoakan'i Joda, ilay fanjakana tatsimon'ny Israelita.
"ny namako malalako"
"teo amin'ny havoana izay afaka anirian'ny voly"
"Niasa tany izy." Io fiteny io dia ilazana ny fampiasana fitaovana hangadiana tany mba hanomanana izany ho amin'ny fambolena.
"nanamboatra trano avo teo afovoan'ny tanim-boaloboka izy fa hiambenana izany." Nisy olona nitsangana teo amin'ny tampon'ilay tilikambo mba hiambina ny tanim-boaloboka ary hitandrina mba tsy hisy biby na olona hiditra amin'izany. Azo atao mazava ny hevitra fenon'io fanambarana io.
"nandavaka lavaka mba hamiazana ny ranom-boaloboka." Ny famiazam-boaloboka dia toerana ambany avy eo amin'ny vatolampy izay hanitsahan'ny olona ny voaloboka sy anosihosen'izy ireo izany amin'ny tongony, mba hanesorana ny ranom-boaloboka.
"voaloboka tsy misy ilana azy" na "voaloboka ratsy tsiro"
Ao amin'ny fanoharan'Isaia momba ilay tanim-boaloboka, ilay tompon'ny tany, izay maneho an'Andriamanitra, dia miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema sy Joda momba ny tanim-boalobony.
Io teny io dia manondro ny olona monina ao Jerosalema sy Joda amin'ny ankapobeny. DH: "ianareo rehetra izay monina ao Jerosalema sy Joda"
"Joda" no anaran'ny fanjakana tatsimon'Israely, ary Jerosalema no renivohitry ny tanàna.
Ny hevitry ny elanelana manasaraka ny zavatra roa matetika dia ampiasaina hanehoana ny fisafidianana ny iray na ny hafa amin'ireo zavatra ireo. DH: "tapaho izay nanao ny marina, izaho sa ny tanim-boaloboko"
Mampiasa io fanontaniana io ny tompony mba hilazana momba ny tanim-boalobony. Azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra io fanontaniana fampisainana io. DH: "Efa nataoko izay azoko natao ho an'ny tanim-boaloboko!"
Mampiasa io fanontaniana io ny tompony mba hilazana fa tokony ho efa namoa voaloboka ilay tanim-boaloboka. Azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra io fanontaniana fampisainana io. DH: "Tiako mba hamoaka voaloboka tsara izany, saingy voalobo-dratsy ihany no navoakany"
Ao amin'ilay fanoharan'Isaia, manohy miresaka momba ny tanim-boalobony ny tompony.
"esoriko ireo fefy kirihitra." Ny fefy dia antontana kirihitra na hazo madinika izay nambolena mba hiarovana saha na karazan-toerana hafa. Eto ny "fefy" dia mety ilazana ny tsilo izay novolena mba haniry teo amin'ny vato manodidina ny tanim-boaloboka.
"havelako handeha eny ka hihinana ny biby." Izany dia toerana feno ahitra izay hiraofan'ny biby.
Io dia azo atao hoe DH: "hanitsakitsaka izany ny biby"
"ho potehiko izany"
DH: "tsy hisy hanety na hikarakara izany" na "tsy hisy hanapaka ireo samoana izay tsy ilaina, ary tsy hisy hikarakara ny tany"
Matetika ny kirihitra sy ny tsilo dia ampiasaina ho mariky ny tanàna na tany rava.
Manazava ny fanoharana momba ny tanim-boaloboka Isaia.
"Fa maneho ny ankohonan'Israely ny tanim-boalobok'i Yaveh tompon'ny maro" na "Tahaka tanim-boalobok'i Yaveh, Tompon'ny tafik'anjely ny vahoakan'Israely"
Ny firenena sy ny vondrona ara-poko matetika dia resahin'ny ao amin'ny Baiboly toy ny hoe ankohonana, izany hoe, fianakaviana. DH: "ny vahoakan'Israely"
"ny vahoakan'i Joda dia tahaka ny tanim-boaloboka izay manome fahafinaretana ny olona"
Eto ny "lehilahy" dia maneho ny vahoakan'i Joda rehetra. DH: "ny vahoakan'i Joda"
Io dia azo ovaina mba ho azo adika amin'ny matoanteny "manao ny rariny" ny anarana hoe "rariny." Ny tany hoe "famonoana" dia azo adika hoe "nifamono." DH: "Niandry ny olona mba hanao izay rariny Yaveh, kinanjo nifamono izy ireo"
Ny teny hoe "niandry" dia nalatsaka saingy efa azo izany. Io fampahafantarana efa hay io dia azo ampidirina mba hampazava ny hevitra. DH: "Niandry fahamarinana izy" na "niandry azy ireo hanao izay marina izy"
"Kinanjo nisy antso vonjy." Ny antony niantsoan'olona vonjy dia azo atao mazava. DH: "kanjo, ireo izay osa niantso olona mba hanampy azy ireo satria namely azy ireo ny hafa"
Io teny io dia mety ilazana antsoantso maro.
Manambara ny fitsaran'Andriamanitra Isaia.
"ho an'ireo izay maka trano bebe kokoa, ary maka saha bebe kokoa." Raisin'Isaia fa fantatry ny mpihaino azy fa ny lalàna dia mandrara ny olona tsy haka tany amin'ny fianakaviana iray. Azo atao mazava ny hevitra fenon'io fanambarana io.
Adikao araka ny ao amin'ny 1:9.
"tsy misy monina ao"
"divay iray bata" na "divay 22 litatra"
"voa 22 litatra fotsiny no vokatry ny masimboly 220 litatra." Ny homera iray dia sahala amin'ny efaha folo.
Ilazana ireo olona izay tsy manao na inona na inona mandritra ny tontolo andro afa-tsy ny misotro zava-pisotro misy alikaola io.
Eto ny herin'ny divay hahamamo ny mpisotro izany dia resahina toy ny hoe mandoro azy ireo, izany hoe, mampirehitra azy ireo. DH: "mandra-pahamamon'ny divay azy ireo"
Ireo dia zava-maneno ary ny divay dia misy hevitra ambadika fa ny olona mankafy ireo zavatra ireo dia manao fety be tokoa.
Zava-maneno misy lohany tahaka ny amponga izay azo velezina amin'ny tanana. Mety misy korotam-by manodidina ny sisiny izay maneno rehefa manontsakontsana izany ilay mpively. Ny ampongatapaka dia kely ampy ho tazonin'ny mpively azy sy hanontsakontsanany amin'ny tanana ilany.
"nihevitra tsara momba ny"
Io dia azo averina amboarina mba ho azo ambara amin'ny endrika matoanteny "natao" na "namboarina" ny anarana hoe "zava-bita." DH: "izay nataony" na "izay namboariny"
Eto ny "tanana" dia maneho ny olona izay nanao zavatra iray. DH: "izay nataon'i Yaveh"
Ireto andininy ireo dia manambara izay hitranga amin'ny olona satria tsy nankatoa an'Andriamanitra izy ireo.
Amin'ny faminaniana, ny zavatra izay hitranga amin'ny ho avy matetika dia atao toy ny hoe efa nitranga. Manidry izany fa ho tanteraka tokoa ilay faminaniana. DH: "hisy fahavalo avy amin'ny firenena hafa haka ny oloko, Israely, ho andevo"
Izay tsy hain'izy ireo dia azo atao mazava. DH: "satria tsy azon'izy ireo na Yaveh na ny lalàny"
Ity andian-teny ity dia mampitaha ny Fiainan-tsy hita, izay ilazana ny fasana, amin'ny biby izay vonona hihinana biby hafa. Midika izany fa maro, tena maro ny olona ho faty. DH: "ny fahafatesana dia tahaka ny biby noana izay mampisanasana ny vavany hihinana olona maro"
Resahin'ny mpaminany toy ny hoe mitranga izao ankehitriny izao ny ho avy. DH: "Maro amin'ny olon'Israely, ireo olo-manan-kajany sy olona olona mahazatra mbamin'ireo izay mankafy fety, dia ho any amin'ny Fiainan-tsy hita"
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy hevitra ihany ary mira-ampiasaina ho fanamafisan-kevitra. DH: "hampiondrehan'Andriamanitra sy hampihetreny avokoa ny olon-drehetra." Jereo ny nandikanao ny andian-teny mitovy amin'io ao amin'ny ao amin'ny 2:9.
Ny toe-javatra ho avy eto dia resahina toy ny hoe efa nitranga sahady.
Ny finakohofana matetika dia mariky ny fihetrena.
Ny fiondrehana matetika dia mariky ny fahamenarana. DH: "hiondrika am-pahamenarana ny mason'ireo olona mirehareha" na "menatra ankehitriny ireo olona nirehareha." Jereo ny nandikanao ny andian-teny mitovy amin'io ao amin'ny ao amin'ny 2:9.
Eto ny olona mieboebo, miavonavona dia resahina toy ny hoe avo ambonin'ny olona rehetra. DH: "mirehareha"
DH: "Hidera an'i Yaveh tompon'ny maro ny olona satria marina Izy"
Adikao araka ny ao amin'ny 1:9.
Ny fanomezam-boninahitra eto dia resahina toy ny hoe hasandratra avo. DH: "homem-boninahitra tokoa"
Ho ravan'i Yaveh ireo tanànan'i Jerosalema, izay nantsoina hoe "tanim-boaloboka: tao amin'ny 5:1. Ho lasa tsy misy ilana azy ankoatra ny hihinanan'ny ondry vilona eo.
mihinam-bilona
Izany hoe, hiraoka eny ny ondry. Ho tsy misy ilana azy ny tany ary tsy misy hampiasana azy.
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny ireo. Ireo olona minia manota hatrany dia resahina tahaka ny hoe mampiasa ny heriny rehetra hitarihina sarety. Ho faizin'Andriamanitra nohon'ny otany izy ireo. DH: "Loza ho an'ireo izay mikiry fatratra hanota tahaka ny olona mitarika sarety amin'ny tady"
Io dia manondro ireo izay manota hatrany (andininy faha 18) ary mihantsu an'Andriamanitra am-panesoana mba hanakana azy ireo. DH: "ireo mpaniratsira izay milaza hoe"
Ny fikasan'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe zavatra izay tonga ho azy eo. DH: "Aoka ilay Iray Masin'Israely hanatanteraka ny fikasany"
Adikao araka ny ao amin'ny 5:15 ny hoe "ilay Iray Masina."
Ireo izay manao ireo zavatra ireo dia tahaka ireo izay "manao ny ratsy ho tsara, ary tsara ho ratsy." Ireo zavatra ireo dia mifanohitra ary fantatry ny olona ny fahasamihafana eo amin'ireo, saingy mandainga ny olona ary milaza tsara ireo zavatra ratsy. DH: "Izy ireo dia tahaka ny olona izay miantso ny aizina hoe mazava ary ny mazava ho aizina. Tahaka ny olona izay miantso ny mangidy hoe mamy ary ny zava-mamy ho mangidy izy ireo"
Eto ny "maso" dia ilazana ny eritreritra. DH: "ireo izay mehevi-tena ho hendry"
"ary mihevitra fa mahatakatra ny zava-drehetra"
Ity andalan-teny ity dia miresaka momba ny mpitsara simba toetra any amin'ny fitsarana.
"manambara ny meloka ho tsy manan-tsiny"
"tsy mitondra ny olona tsy manan-tsiny ara-drariny"
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Hanafay ireo olona nofaritana tao amin'ny 5:18 Andriamanitra. DH: "tahaka ny fandoran'ny afo ny mololo sy ny ahitra maina"
"tahom-bary maina." Ilazana ny ampahany amin'ny zava-maniry izay avela ho faty eny an-tanimboly aorian'ny nanangonan'ny mpamboly ny sakafo izany.
Resahin'Isaia toy ny hoe zava-maniry ho faty ny vahoaka. DH: "ho faty tahaka ny zava-maniry izay lo faka sy tsofin'ny rivotra ny felany izy ireo"
Resahin'Isaia toy ny hoe afo ny fahatezeran'i Yaveh. DH: "Tezitra mafy Yaveh"
Resahin'ny mpaminany toy ny hoe efa nitranga sahady ny ho avy. Manao izany izy mba hanindiana fa hitranga tokoa ilay faminaniana. DH: "hanafy azy ireo amin'ny tanany mahery Izy"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny hery sy fahefan'Andriamanitra. DH: "nampiseho ny heriny tamin'izy ireo"
Ny faty dia avela hitsilanilany eny an-dalalana toy y fako. Misy hevitra ambadika izany fa ho faty izy ireo saingy tsy hisy handevina azy ireo. Ny teny hoe "fako" dia azo adika hoe "tay" na "maloto" ihany koa.
"Na dia nitranga aza ireo zavatra rehetra ireo, dia mbola tezitra ihany Izy, ary ny tanany"
Eto ny "tanana" dia maneho ny hery sy fahefan'Andriamanitra. Yaveh sia resahin'Isaia toy ny hoe olona izay hamely olon-kafa aminy totohondriny. DH: "mbola vonona ny hanafy azy ireo ihany Izy"
Zavatra roa mitovy ihany no lazain'Isaia amin'ny fomba samihafa. Ny ataon'Andriamanitra mba hahatongavan'ny tafika izay lavitra an'i Joda ka hanafika dia resahina toy ny hoe hanagana saina sy hisioka mba hiantso azy ireo ho any Joda Izy. DH: "Hiantso ireo tafiky ny firenena izay lavitra an'i Joda Izy ary hiteny amin'izy ireo mba ho avy"
feo mafy, maranitra izay ataon'ny olona amin'ny vava mnba hiantsoana olona na biby izy lavitra any
"ho avy ny tafika fahavalo"
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo teny roa ireo ary manindry ny fahafainganan'ny fahatongavan'izy ireo. DH: "malaky dia malaky"
Manohy mamaritra ny tafika izay hanafika an'i Joda i Isaia. Mamaritra izay tahaka ny hoe efa misy tokoa izy.
Ireo teny efatra ireo dia dia maneho dingana manomboka amin'ny faharerahana nohon'ny asa mankany amin'ny tsy fahafahana mandeha tsara, mankany aminy tsy fahafahana miari-tory, mankany amin'ny faharenohana tanteraka, koa dia tokony ho hita ao amin'ny fandikan-teny izay efatra ireo.
Nofehezin'ireo miaramila tsara ny ankanjony mba ho mora kokoa ny mihetsika sy miady.
"ireo tadin-kapany"
"tahaka ny vato mafy be ny kitron-tsaoavalin'izy ireo." Mampitaha ny faritra mafy eo amin'ny soavaly amin'ny afovato, izay vato mafy mety hiteraka pitik'afo rehefa kapohina Isaia. Ireo mety ho dikany dia 1) Mampitaha ny kitron-tsoavaly aminy afovato Isaia mba hamaritana ny kisarisary mampitahotry ny tongotr'izy ireo izay miteraka pitik'afo eny am-pihazakazahana, na 2) Mampitaha ny kitron-tsoavalin'izy ireo amin'ny afovato Isaia mba hanindriana ny tanjaky ny kitron'ireo izay mahatonga ny soavaly ho afaka manao izay rehetra tian'ny tompony hataon'ireo.
Mampitaha ny kodiaran-kalesiny amin'ny tafiotra Isaia mba hilazana tsotra izao fa hamotika ny lalany izy ireo. DH: "ary hihodinkodina tahaka ny tafio-drivotra ny kodiaran'ny saretin'izy ireo"
Matetika ireo kodiarana ireo dia nisy vy maranitra nipetaka taminy izay nanapatapaka izay rehetra nandalo teo akaikin'ny kalesy.
Manohy mamaritra ny tafika izay hanafika an'i Joda i Isaia. (Jereo ny 5:26)
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Mampitaha ny tafika fahavalo amin'ny liona Isaia mba hilazana ny feon'ny fanafihan'izy ireo izay hahatonga ny vahoakan'i Joda hatahotra mafy. DH: "Rehefa mihiakiana an'ady ny tafik'izy ireo dia ho tahaka ny liona mierona no fihaino azy"
Ny fahatanorana dia ilazana ny tanjaka. DH: "ny liona matanjaka indrindra"
Mampitaha ny fahavalo izay mamono ny vahoakan'i Joda amin'ny famonoan'ny liona ireo biby osa Isaia. Ireo mety ho heviny dia 1) mamoaka feo tsy dia mafy tahaka ny fierona ny liona mialohan'ny hamelezany, na 2) mampiasa teny roa ny mpanoratra mba hilazana hevitra mitovy ihany.
biby izay tian'ny biby iray ho azo sy ho vonoina
"ary tsy hisy ho afaka hamonjy azy ireo"
Ampiasao izay teny amin'ny fiteninao ilazana ny feon'ny onja anaty tafiotra na ora-mikija na izay mety hoe feo voajanahary mampatahotra.
Eto ny aizina dia ilazana ny fijaliana sy ny loza. Io sarinteny io dia azo atao hoe DH: "hanampina tanteraka ny hazavan'ny masoandro ny raho-mainty"
1 Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka, dia nahita ny Tompo nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana aho; sady avo no ambony Izy, ary nameno ny tempoly ny moron'akanjo lavany. 2 Teo amboniny dia nisy ny serafima; samy nanana elatra enina avy; ny roa nanarona ny tavany, ny roa hafa nanarona ny tongony, ary ny roa nanidinany. 3 Nifampiantso izy ireo ary nanao hoe: "Masina, masina, masina, i Yaveh Tompon'ny maro! Izao tontolo izao dia feno ny voninahiny." 4 Nihozongozona tamin'ny feon'ireo izay mitaraina ny fototr'ireo tokonam-baravarana, ary feno setroka ny trano. 5 Ary hoy aho hoe: "Loza! Very aho satria lehilahy maloto molotra aho, ary niaina teo amin'ny vahoaka maloto molotra, satria ny masoko dia efa nahita ny Mpanjaka, Yaveh, Yaveh tompon'ny maro!" 6 Avy eo dia nisy iray tamin'ireo serafima nanidina teo amiko; nisy vain'afo teny an-tanany, izay nalainy niaraka tamin'ny tandra teny amin'ny alitara. 7 Nikasika ny molotro tamin'izany izy ary niteny hoe: "Indro, nikasika ny molotrao ity; afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao." 8 Nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: "Iza no tokony hirahiko; iza no handeha ho antsika?" Dia hoy aho hoe: "Inty aho; hiraho aho." 9 Hoy Izy hoe: "Mandehana ary lazao ireo vahoaka ireo hoe: 'Henoy, fa aza takarina; jereo, fa aza mamantatra.' 10 Hamafiso ny fon'io vahoaka io, ary ataovy marenina ny sofin'izy ireo, ary ataovy jamba ny mason'izy ireo. Raha tsy izany dia mety hahita amin'ny masony izy ireo, handre amin'ny sofiny, sy hahalala amin'ny fon'izy ireo, ary avy eo hiova ka ho sitrana." Ary hoy izaho, "Tompo o, mandra-pahoviana anefa?" Dia hoy Izy, 11 Dia hoy aho hoe: "Ry Tompo, mandra-pahoviana?" Namaly Izy hoe: "Mandra-pahafoanan'ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ary ny trano ytsy hisy olona, ary ny tany ho lao tokoa, 12 ary Yahweh hampande lavitra ny olona, ka ho be ny lao ao amin'ny tany. 13 Na ny ampaha-folon'ny olona tavela ao amin'izany aza, dia ho potehina indray; tahaka ny terebinta sy oka notapahina ka misy rantsany tavela, ilay voa masina dia ao amin'ny fotony."
Ny teny hoe "avo" sy "ambony" dia manamafy fa ny seza fiandrianana dia avo dia avo ary ambonin'ny zava-drehetra manodidina izany. Ny hahavon'ny seza fiandrianana dia maneho ny fahalebiazana sy ny herin'ny Tompo.
"nameno ny lapa." Ny teny ampiasaina ilazana ny tempoly eto dia ampiasaina ilazana ny lapan'ny mpanjaka.
Ny dikan'izany dia nipetraka teo amin'ny seza-fiandrianana ny Tompo ary nitsangana na nanidina teo akaikin'ny Tompo am-pahavononana ny hanompo Azy ireo serafima.
Ity teny ity dia manolo-kevitra fa ireo zava-boahary ireo dia mety ho nanana endrika masiaka afo na nitovy tamin'ny bibilava. Satria tsy fantantsika mazava ny dikan'ny "serafima," dia azonao atao ny mandika izany hoe "zava-boahary manan'elatra" na "zava-manan'aina manan'eleatra." Na koa, azonao atao ny mindrana ny teny ary mampiasa izany amin'ny fiteninao.
"Samy nanana elatra enina avy ny serafa tsirairay" na "samy nanana elatra enina avy ireo zava-boahary ireo"
Ny teny hoe "elatra" sy "serafa" dia efa azo. DH: "tamin'ny elatra roa no nanaronan'ny serafa ny tavany, ary tamin'ny elatra roa no nanaronany ny tongony, ary tamin'ny elatra roa no nanidinany"
Manohy mamaritra ny fahitany Isaia.
"Nifampiantso ireo serafima ary nanao hoe" na "Nifanambara ireo zava-boahary manan'elatra"
Ny famerenana ny teny hoe "masina" intelo dia maneho fa masina tanteraka Andriamanitra. DH: "Yaveh tompon'ny maro dia masina mihoatra ny rehetra hafa" na "Masina tanteraka Yaveh tompon'ny maro"
Ny tany dia resahina toy ny hoe fiteoran-javatra ary ny voninahitra no mameno ilay fitoeran-javatra. DH: "Ny zava-drehetra ety ambony tany dia porofon'ny voninahitr'Andriamanitra"
Manohy mamaritra ny fahitany Isaia.
"Rehefa ninatso ireo serafima, dia nampihovitrovitra ny tokonam-baravarana sy ny fotony ny feony"
DH: "ary nisy setroka nameno ny tempoly" na "ary nisy setroka nameno ny lapa"
DH: "Sahirana tokoa aho! Hisy zavatra mahatsiravina hanjpo ahy!"
Eto ny "molotra" dia ilazana izay lazain'ny olona. Ary ny filazan'ny olona zavatra izay tsy azo ekena amin'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maloto ara-nofo mihitsy ny molony.
Yaveh, ilay mpifehy ny tafik'anjely
Eto ny "maso" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "izaho dia efa nahita"
Manohy mamaritra ny fahitany Isaia.
Ity teny ity dia manolo-kevitra fa ireo zava-boahary ireo dia mety ho nanana endrika masiaka afo na nitovy tamin'ny bibilava. Satria tsy fantantsika mazava ny dikan'ny "serafima," dia azonao atao ny mandika izany hoe "zava-boahary manan'elatra" na "zava-manan'aina manan'eleatra." Na koa, azonao atao ny mindrana ny teny ary mampiasa izany amin'ny fiteninao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 6:1.
fitaovana ampiasaina hisamborana na hitazonana zavatra
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. DH: "Efa nesorin'i Yaveh ny helokao ary navelany ny fahotanao"
Ny tsy fandraisan'i Yaveh ny olona iray ho meloka intsony dia resahina toy ny hoe zavatra izay azon'ny olona esorina amin'ny olona iray hafa ny "fahamelohana."
Manohy mamaritra ny fahitany Isaia.
Eto ny "feo" dia ilazana ny Tompo mihitsy. DH: "hoy ny Tompo hoe"
Ny hevitra ambadik'izany dia haniraka olona hilaza ny hafany amin'ny vahoakan'Israely Yaveh. DH: "Iza ho hirahiko ho mpitondra hafatra any amin'ny oloko"
Toa manondro an'i Yaveh sy ny mpikambana ao amin'ny filan-keviny ny hoe "antsika."
"ny vahoakan'Israely"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny fandidiana hoe "aza mahatakatra" sy ny hoe "aza mamantatra" dia maneho izy avelan'Andriamanitra hitranga. DH: "Hihaino ianareo, saingy tsy hamela anareo hahatakatra Yaveh; hijery tsara ianareo, saingy tsy hamela anareo hahafantatra Yaveh" na 2) ny fandidiana hoe "Henoy" sy "jereo" dia maneho ny hevitry ny hoe "na dia." DH: "Na dia mihaino aza ianareo dia tsy hahatakatra; ary na dia mijery tsara aza ianareo, dia tsy hahafantatra"
Azonao ambara mazava ny fampahafantarana izay efa azo. DH: "Henoy ny hafatr'i Yaveh, saingy aza mahatakatra izay heviny; jereo ny ataon'i Yaveh, saingy aza mahalala izay heviny"
Manohy milaza amin'Isaia izay tsy maintsy hataony Yaveh rehefa maniraka azy hitory amin'ny olona Izy.
Eto ny "fo" dia ilazana ny sain'ny olona. Ny olona izay tsy misaina mazava ary tsy afaka mahatakatra sy miahy ny amin'izy mitranga dia resahina toy ny hoe mafy fo. DH: "Aza avela hahatakatra ireo vahoaka ireo" na "Ataovy donto ny sain'ireo vahoaka ireo"
DH: "hamafiso ny fon'ireo vahoaka ireo"
Io fandidiana io dia midika fa hampiasa ny hafatr'Isaia mba hahatonga ny olona hahatakatra kely kokoa aza Yaveh ary hahatonga azy ireo tsy dia hiraharaha izay ataon'i Yaveh.
"ataovy izany mba tsy handrenesan'ny sofin'izy ireo, ary ataovy izany mba tsy hahitan'izy ireo." Ny ataon'Isaia mba hahatonga ny olona tsy hahatakatra ny hafatr'i Yavej dia resahina toy ny hoe mamparenina sy mahajamba azy ireo Isaia.
Ny fahafahan'ny olona mahatakatra ny hafatr'i Yaveh sy ny ataony dia resahina toy ny hoe afaka mahita sy mandre ara-batana ny olona.
Eto ny "fo" dia ilazana ny sain'ny olona. Ny fahatakarana zavatra marina sy ny firarahiana ny amin'izay mitranga dia resahina toy ny hoe afaka mahatakatra amin'ny fony ny olona.
Ny fibebahana sy ny fanombohana hankatoa an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe miverina ara-batana manatona Azy ny olona. DH: "hanaraka Ahy indray" na "dia hanomboka hatoky Ahy indray"
DH: "hanasitrana azy ireo Aho"
"Mandra-paharava ny tanàna sy ny trano rehetra ka tsy hisy hipetraka ao"
DH: "mandra-pandefasako, Izaho, ny olona rehetra lavitry ny taniny, mba tsy hisy ho tavela"
DH: "hamotika ny tanin'Israely indray ireo tafika"
Io fampitahana mivantana io dia midika fa na dia aorian'ny hamotehan'i Yaveh an'Israely aza, dia mbola hanokana olona avy amin'ireo Israelita ihany Izy mba hanompo Azy.
karazana hazo oka
Ny vatan-kazo dia ilay sampany fototra eo amin'ny hazo. Ny fototra dia izay ampahany amin'ny hazao mijanona ao anaty tany aorian'ny hanapahana ilay hazo.
Ireo olona izay hanompo an'i Yaveh aorian'ny hamotehan'ny fahavalo an'Israely dia resahina toy ny hoe natokana ho voa masina.
1 Tamin'ny andron'i Ahaza zanaka lahin'i Jotama zanaka lahin'i Ozia, mpanjakan'i joda, dia niakatra nankany Jerosalema i Rezina mpanjakan'i Syria, sy Pelza zanaka lahin'i Remalia, mpanjakan'Israely mba hanangana ady amin'izany, fa tsy nandresy izany izy ireo. 2 Notaterina tany amin'ny fianakavian'i Davida fa niaraka tamin'ny Efraima ny Syriana. Nangovitra ny fony, sy ny fon'ny vahoakany, toy ireo hazo any an'ala ahozongozon'ny rivotra. [1]3 Dia hoy Yaveh tamin'Isaia hoe: "Mivoaha miaraka amin'i Seara-jasoba zanakao lahy mba hitsena an'i Ahaza eo amin'ny faran'ny lakan-dranon'ny kamory ambony, eny amin'ny lalana mankany amin'ny Sahan'ny Mpanasa lamba. 4 Lazao azy hoe: 'Mitandrema, aza taitaitra, aza matahotra na ampitahorin'ireo tapa-porohana roa midonaka ireo, amin'ny hatezeran'i Rezina sy Syria, ary Pelza zanaka lahin'i Remalia. 5 Syria, Efraima, ary ny zanaka lahin'i Remalia dia nanao teti-dratsy hanoherana anao; hoy izy ireo hoe: 6 "Andeha isika hanafika an'i Joda sy hampihorohoro azy, ary aoka isika hamaky azy ary hametraka ny mpanjakantsika, ilay zanaka lahin'i Tabeala ao." 7 Hoy ny Tompo Yaveh hoe: "Tsy ho tanteraka izany; tsy hitranga izany, 8 satria Damaskosy no lohan'i Syria, ary Rezina no lohan'i Damaskosy. Ao anatin'ny dimy amby enim-polo taona, dia ho torotoro ny Efraima ary tsy ho vahoaka intsony. 9 Samaria no lohan'i Efraima, ary ny zanaka lahin'i Remalia no lohan'i Samaria. Raha tsy mitoetra mafy amin'ny finoana ianareo, dia azo antoka fa tsy ho voaaro."'" 10 Niresaka tamin'i Ahaza indray ny Tompo hoe: [2]11 "Mangataha famantarana amin'i Yaveh Andriamanitrao; mangataha an'izany amin'ny lalina na amin'ny hahavon'ny ambony." 12 Fa hoy Ahaza hoe: "Tsy hangataka aho, na hitsapa an'i Yaveh." 13 Koa namaly Isaia hoe: "Henoy, ry fianakavian'i Davida. Tsy ampy anareo vahoaka ve ny mitsapa ny faharetan'ny vahoaka? Tsy maintsy mitsapa ny faharetan'ny Andriamanitro koa ve ianareo? 14 Noho izany dia ny Tompo mihintsy no hanome famantarana anareo: indro, hitoe-jaza ilay tovovavy, hiteraka zazalahy, ary hiantso ny anarany hoe Imanoela. [3]15 Hihinana rononomandry sy tantely izy rehefa mahay mandà ny ratsy ary misafidy ny tsara. 16 Fa mialohan'ny hahaizan'ilay zaza mandà ny ratsy ary misafidy ny tsara, dia ho lao ny tanin'ireo mpanjaka roa izay natahoranao ireo. 17 Yaveh dia hitondra andro tsy mbola nisy hatramin'ny nialan'i Efraima tamin'i Joda aminao, sy ny vahoakanao, ary amin'ny fianakavian-drainao—ho entiny eo aminao ny mpanjakan'i Asyria." 18 Amin'izany andro izany Yaveh dia hisioka lalitra avy lavitra eny amin'ny onin'i Egypta, ary tantely avy eny amin'ny tanin'i Asyria. 19 Ho tonga avokoa izy rehetra ary hipetraka ambany eny amin'ny lohasaha lao, eny an-tsefatsefaky ny harambato, eny amin'ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin'ny tany fihinanam-bilona rehetra. 20 Amin'izany fotoana izany ny Tompo dia hanaratra amin'ny hareza nofaina tany amoron'ny Onin'i Eofrata—ilay mpanjakan'i Asyria—ny loha sy ny volon-tongotra; hanala ireo volom-bava ihany koa izany. 21 Amin'izany andro izany, dia hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona, 22 ary nohon'ny habetsaky ny ronono izay homen'izy ireo, dia hihinana rononomandry izy, satria ny olona rehetra tavela eo amin'ilay tany dia hihinana rononomandry sy tantely. 23 Amin'izany fotoana izany, teo amin'izay nisy divay aman'arivony tombanana sekely volafotsy arivo, dia tsy hisy na inona na inona afa-tsy tsilo. 24 Handeha ho any mba hihaza amin'ny tsipìka ny olona, satria ny tany rehetra dia ho tsilo avokoa. 25 Hijanona lavitr'ireo tanety rehetra izay navadika tamin'ny angady izy ireo, nohon'ny tahotra an'ireo tsilo; fa ho toerana fihinanan'ny biby fiompy sy ondry izany.
"Tamin'i Ahaza ... mpanjakan'i Joda" Tamin'ny fotoana nitrangan'ireo toe-draharaha izany.
Anaran-dehilahy ireo.
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe ireo mpanjaka no tafika tarihin'izy ireo. DH: "Rezina ... Pelza ... nitarika ny tafika niakatra"
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe ilay tanàna mihitsy ho olona monina ao. DH: "mba hanangana ady amin'ny vahoakan'Israely"
DH: "Nandre tatitra ny ankohonan'i Davida" na "nisy nitatitra tamin'ny ankohonan'i Davida"
Ny teny hoe "ankohonana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona izay monina ao anatin'ilay trano, ilay fianakaviana. DH: "Ahaza mpanjaka sy ireo mpanolotsainy"
Eto ny "Syriana" sy "Efraima" dia ilazana ny mpanjakan'ireo. Ampiasaina eto Efraima mba hilazana ny fanjakana Tavaratr'Israely manontolo. DH: "fa Rezina, mpanjakan'ny Syria dia nanampy an'i Pelza, mpanjakan'Israely"
Ny fiovitrovitry ny fon'izy ireo manoloana izany vaovao izay dia ampitahaina amin'ny fihozongozon'ny hazo rehefa tsofin'ny rivotra. DH: "Natahotra mafy i Ahaza sy ny vahoakany"
Manoratra momba izay nanjo azy toy ny hoe nitranga tamin'ny olon-kafa Isaia.
Azon'ny mpandika teny ihany koa ny manisy fanamarihana manao hoe: "Ny anarana hoe Seara-jasoba dia midika hoe 'hisy sisa tavela hiverina."'
"izay ivarinan'ny rano ao amin'ny kamory ambony"
tatara namboarin'ny olona na lalana ambany tany ikorianan'ny rano
Raha manana teny ilazana ny lalana izay nampahitsian'ny olona tamin'ny fanapenana ny faritra milatsaka na fandatsahana ny faritra midongona ny fiteninao, dia azonao ampiasaina eto izany.
Ireo mety ho haviny dia 1) io no anaran-tsamirery niantsoan'ny olona io saha io na 2) io no anarana iombonana izay nampiasain'ny olona hilazana ilay saha: "Sahan'ny Mpanasa lamba" na "ilay saha fanasan'ny vehivavy lamba."
Ny mpanasa lamba dia na 1) lehilahy manasa volon'ondry izay netezan'ny olona: "Sahan'ny Mpanasa Volon'ondry," na 2) vehivavy manasa lamba maloto: "Sahan'ny Mpanasa lamba"
Lazao amin'i Ahaza hoe
Mampitaha an'i Rezina sy Pelza amin'ny fandorana tapa-porohana izay efa maty afo ka midona-setroka Andriamanitra. Tsindrian'Andriamanitra fa tsy tena fampitahorana ho an'i Joda ireo. DH: "aza avela hampitahotra anao i Rezina sy Plza; ny fahasiahan'ny fahatezeran'izy ireo dia tahaka ny tapa-porohana mirehitra izay efa maty ny afony ka setroka sisa no eo"
Ny teny hoe "matahotra" sy "ampitahorina" dia mitovy hevitra ihany ary azo adika amin'ny teny iray. DH: "matahotra"
Manohy milaza amin'Isaia izay tokony ho lazainy amin'i Ahaza i Yaveh.
Ny teny hoe "Syria" sy "Efraima" dia manondro ireo mpanjakan'ireo tany ireo. Ary koa, "Efraima" dia manondro ny fanjakana tavaratr'Israely. DH: "Rezina mpanjakan'i Syria ary Pelza zanak'i Remalia, mpanjakan'Israely"
Anaran-dehilahy io. Adikao araka ny ao amin'mny 7:1 io anarana io.
Eto ny hoe "anao" dia manondro an'i Ahaza.
Tsy hay hoe izy io rangahy io.
Manohy milaza amin'Isaia izay tokony ho lazainy amin'i Ahaza i Yaveh.
"ary Rezina no mpanjakan'i Damaskosy, izay lehilahy reraka"
"65 taona"
Eto Efraima dia manondro ny fanjakana tavaratr'Israely. DH: "hisy tafika hamotika an'i Efraima, ary tsy hisy olon'Israely intsony"
Midika izany fa Pelza no mpanjakan'i Samaria sy Israely rehetra. DH: "Pelza no mpanjakan'i Samaria, izay lehilahy reraka"
DH: "Raha mbola mino Ahy hatrany ianareo, dia hilamina tokoa"
Mampiasa ny teny hoe "lalina" sy "ambony" Yaveh mba hilazana fa afaka mangataka na inona na inona i Ahaza.
Ny teny hoe "lalina" sy "hahavo" dia azo adika hoe "toerana any ambany be any ... toerana any ambony be any"
"tsy hangataka famantarana amin'i Yaveh"
Ny teny hoe "ankohonana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona izay monina ao anatin'ilay trano. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 7:1. DH: "Ahaza mpanjaka, ianao sy ny mpanolotsainao"
Ireo fanontaniana ireo dia manamafy fa nanota be ny mpanjaka. DH: "Mitsapa ny faharetan'ny vahoakanao ianao! Izao ianao dia mitsapa ny faharetan'ny Andriamanitrao indray!"
Misy dikan-teny taloha sasany ary dikan-teny ankehitriny sasany mandika izany hoe: "hitoe-jaza ilay virijiny," raha ny sasany kosa dia mandika izany hoe: "hitoe-jaza ilay tovovavy"
Azon'ny mpandika teny atao ny manisy fanamarihana manao hoe: "Ny anarana hoe Imanoela dia midika hoe "momba antsika Andriamanitra."
Ireo mety ho heviny dia 1) "Amin'ny fotoana mahalehibe ny zaza hahafahan'ilay zaza mihinana rononomandry sy tantely, dia ho afaka handà izay ratsy ary hisafidy izay tsara izy." Manamafy izany fa mbola kely tokoa ilay zaza rehefa hahay hisafidy izay mety sy tsy mety, na 2) "Amin'ny fotoana mahalehibe ny zaza hahafahan'ilay zaza mandà izay ratsy ary misafidy izay tsara, dia hihinana rononomandry sy tantely izy." Ny vahoakan'i Joda dia nihevitra fa ny zaza dia tompon'andraikitra amin'ny fanaovana izay marina rehefa ao 12 taona izy. Izany dia manamafy fa ao anatin'ny roa ambin'ny folo taona dia ho afaka hihinana rononomandry sy tantely ny vahoaka satria ny ankamaroan'ny vahoakan'Israely dia ho voavono ary ho lasan-ko babo.
ronona izay nokarakarain'ny olona mba ho laza mitambaingana
"mandà tsy hanao asa ratsy ary misafidy ny hanao asa tsara"
Manohy mamaritra ny famantarana izay homen'Andriamanitra ho an'ny ankohonan'i Davida Isaia.
"mandà tsy hanao asa ratsy ary misafidy ny hanao asa tsara." Adikao araka ny ao amin'ny 7:13.
Eto ny mpisolo-tena tampisaka "-nao" dia manondro an'i Ahaza.
Manondro ny vahoakan'i Joda io.
"ny vaoakan'i Efraima dia nisaraka tamin'ny vahoakan'i Joda"
mialohan'ny ahalalan'ilay zaza mandà ny ratsy ary misafidy ny tsara (7:13)
"Yaveh dia hiantso" na "Yaveh dia hampiantso"
"ny tafik'i Egypta sy Asyria, ary ny miaramilan'izy ireo dia ho eny rehetra eny tahaka ny lalitra sy tantely"
Manohy mamaritra ny fotoana izay hanafihan'ny tafik'i Asyria an'Israely i Isaia.
Ny teny hoe "hareza" dia sarinteny ilazana ny mpanjakan'i Asyria sy ny tafiny, ary ny mpanjaka dia resahin'i Yaveh toy ny hoe lehilahy izay hanao ny asan'i Yaveh ary handray karama avy amin'i Yaveh. DH: "hiantso ny mpanjakan'i Asyria avy any an-dafin'ny Onin'i Eofrata ny Tompo mba hiasa ho Azy mba hanaratra anareo"
DH: "izay novidiany"
Ratsy izany manaratra ny tampon-doha izany; ratsy lavitra ny manaratra ny "volon-tongotra;" fa ny ratsy indrindra dia ny manaratra ny volom-bava.
Tsy ambaran'Isaia hoe loha, volo, ary volombavan'iza no andeha haratan'ny Tompo, saingy fantatr'i Ahaza izany fa lehilahy; ny lehilahy dia sarinteny ilazana ny olona monina ao Joda.
"ny volon-doha"
Ireo mety ho heviny dia 1) fomba mihaja ilazana ny volo any amin'ny faritra ambanin'ny vatana io, na 2) volon-tongotra no resahin'io.
"hanala ... ihany koa ilay hareza." Raha mitaky olona atao lazaina amin'ny "hanala" ny fiteninao, dia azonao atao ny manao hoe: "hanala ... ny Tompo."
DH: "satria hanome ronono be tokoa ireo"
Manohy mamaritra ny fotoana izay hanafihan'ny tafik'i Asyria an'Israely i Isaia.
"nisy voaloboka 1000." Izany hoe, tamin'Isaia nanoratra, dia nisy tanim-boaloboka, izay nisy voalomboka 1000 tsirairay na mihoatra. Ambarany fa ho feno tsilo ny ireo tanim-boaloboka.
"sekely volafotsy 1000." Ny sekely dia vola volafotsy izay sandan'ny karama 4 andro. DH: "Volafotsy madinika 1000"
Ny teny hoe "tsilo" dia ilazana zava-maniry feno tsilo sady tsy misy ilana azy.
Ny antony handehanan'ny mpihaza any amin'ireo tany ireo dia azo atao mazava. DH: "satria tsy hisy na inona na inona afa-tsy tsilo sy bibidia eo amin'ireo tany ireo"
DH: "Hiala lavitra ireo havoana izay nikarakaran'izy ireo ny tany mba hamokatra taloha ny olona"
1 Nilaza tamiko Yaveh hoe: "Makà vato fisaka lehibe ary soraty amin'izany hoe: "Mahera-Salala-Hasi-Baza.' 2 Hampiantso vavolombelona mahatoky hanamarina Ho Ahy Aho, dia Oria mpisorona, sy Zakaria zanaka lahin'i Jeberekia." 3 Nankany amin'ny mpaminany vavy aho, ary nanan'anaka ka niteraka zazalahy izy. Ary Yaveh nilaza tamiko hoe: "Ataovy hoe: 'Mahera-salala-hasi-baza.' ny anarany. 4 Fa mialohan'ny hahaizan'ny zaza miantso hoe: 'dadako,' sy 'neniko,' ny mpanjakan'ny Asyria dia haka ny haren'i Damaskosy sy ny babon'ny Samaria." 5 Niresaka tamiko indray Yaveh hoe: 6 "Satria ity vahoaka ity dia nandà ny rano misononok'i Siloa, ary faly eo amin-dRezina sy amin'ny zanaka lahin'i Remalia, 7 noho izany ny Tompo dia hitondra ireo ranon'ny renirano ho eo amin'izy ireo, mahery sy betsaka, ny mpanjakan'ny Asyria sy ny voninahiny rehetra. Ho tonga amin'ireo fantsony rehetra izany ka hahatondraka ireo morony. 8 Ny Renirano dia hifaoka manomboka ao amin'i Joda, hanondraka sy hamakivaky, mandra-pahatongan'izany eo amin'ny tendanao. Ireo elany mivelatra dia hameno ny sakan'ny tany, ry Imanoela." 9 Ho torotoro ianareo ry vahoaka. Mihainoa, ry firenana lavitra rehetra: vonony amin'ny ady ny tenanareo ary torotoroa; vonony ny tenanareo ary torotoroa. 10 Manaova fikasana, fa tsy ho tanteraka izany; mamoaha didy, fa tsy ho tanteraka izany, fa momba anay Andriamanitra. 11 Yaveh niteny tamiko, niaraka tamin'ny tanany mahery izay teo amiko, ary mampitandrina ahy tsy handeha amin'ny lalan'ity vahoaka ity. 12 Aza antsoina ho tetika ny zavatra izay antsoin'ity vahoaka ity ho tetika, tsy hatahotra izay hatahorany ianao, ary aza raiki-tahotra. 13 Fa Yaveh Tompon'ny maro no omenao voninahitra ho masina; Izy no ilay izay tokony hatahoranao, ary izy ilay izay tokony hangovitanao. 14 Ho tonga fitoerana masina Izy; fa ho vato famelezana Izy, ary ho vatolampy hanatafitohina_ ho an'ny ankohonan'Israely, ary ho an'ny vahoakan'i Jerosalema dia ho fandrika sy tonta Izy. 15 Maro no ho tafitohina amin'izany ka ho lavo ary ho rava, ho voafandrika ka ho baboana. 16 Fehezo ny fijoroako vavolombelona, ary asio tombo-kase ny firaketana ofisialy, ary omeo ireo mpianatro izany. 17 Hiandry an'i Yaveh aho, izay manafina ny tavany amin'ny ankohonan'i Jakoba; hiandry Azy aho. 18 Indro, izaho sy ireo zanako lahy izay nomen'i Yaveh ahy ho famantarana sy ho zava-mahagaga ao Israely avy amin'i Yaveh Tompon'ny maro, izay mipetraka eo amin'ny Tendrombohitr'i Ziona. 19 Hiteny aminao izy ireo hoe: "Anontanio ireo mpahita sy ireo mpisikidy," ireo izay tsindrian-javatra mimonomonona sy mibitsibitsika fiantsoana. Fa tsy tokony hanontany ny Andriamaniny ve ny olona? Tokony hanontany ny maty ho an'ny velona ve izy ireo? 20 Araka ny lalàna sy ny fijoroana vavolombelona! Raha tsy miteny zavatra tahaka izany izy ireo, dia satria tsy manana ny fahazavan'ny maraina. 21 Handalo eo amin'ny tany amin'ny fahoriana sy ny hanoanana lehibe izy ireo. Rehefa noana izy ireo, dia ho tezitra ary hanozona ny mpanjakany sy ny Andriamanitry, raha manandratra ny tavan'izy ireo ambony. 22 Hijery ny tany izy ireo ka hahita ny fahoriana, ny aizina, ary ny fanjombonana mampahory. Ho roahina makany amin'ny tanin'ny fahamaizinana izy ireo.
Eto ny teny hoe "tamiko" dia manondro an'Isaia.
Ireo mety ho heviny dia 1) Yaveh no miresaka: "Hiantso olona mahitsy fo Aho mba ho vavolombelona" na 2) Isaia no miresaka: "Hiantso olona mahitsy fo aho mba ho vavolombelona" na 3) Mandidy an'Isaia i Yaveh: "Miantsoa olona mba ho vavolombelona."
Azo ambara mazava fa manambady an'ilay mpaminany vavy Isaia. DH: "Niara-nandry tamin'ilay mpaminany vavy vadiko aho"
DH: "Ho alain'ny mpanjakan'i Asyria ny haren'i Damaskosy sy Samaria rehetra"
Ny teny hoe "rano misononoka" dia sarinteny ilazana ny lalàn'Andriamanitra. DH: "Satria nandà ny lalàn'i Yaveh, izay tahaka ny ranon'i Siloa ity vahoaka ity"
"ity vondron'olona ity." Raha mila fanondroana olona maro ny fiteninao eto, dia azonao atao ny mandika ity andian-teny ity sy ny matoanteny manaraka azy hoe "ireto vahoaka ireto dia nandà..."
Azo atao mazava ny hevitra fenon'io fanambarana io. DH: "ary faly amin'ny nandresen'ny tafik'i Asyria an'i Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Pelza, zanak'i Remalia, mpanjakan'Israely." Adikao araka ny ao amin'ny 7:1 ireo anarana.
Ataon'i Yaveh toy ny hoe olon-kafa ny tenany mba hampatsiahivana ny olona hoe iza Izy. DH: "noho izany Izaho, Tompo, dia"
"eo amin'ny vahoakan'i Joda"
Ilay Renirano dia mariky ny tafik'i Asyria. DH: "ny tafika avy any Asyria, izay matanjaka tahaka ny rano mahery"
Reniranon'i Eofrata ao Asyria
Manohy mamaritra ny tafik'i Asyria ho tahaka ny renirano izay hifaoka an'i Joda ny Tompo. (Jereo ny 8:5)
Tahaka ny fandriaky ny rano ny tafik'i Asyria. DH: "Miaramila maro mihamaro no ho avy tahaka ny renirano miakatra eny an-tendanao"
Ny reniranon'i Eofrata izay ao Asyria. Io dia fibangoan-teny ilazana ny miaramila Asyriana, izay ho tonga avy any amin'ny tranony avy eo amin'ny Reniranon'i Eofrata (8:5).
Ireo mety ho heviny dia 1) rehefa miakatra "ilay Renirano" amin'ny sarinteny, dia mandriaka "ny elany" ary manafotra ny tany maina teo aloha, na 2) miova sariteny Isaia ary izao dia miresaka momba an'i Yaveh ho tahaka ny vorona izay miaro ny tany: "saingy hanarona ... ny elany mivelatra."
Azon'ny mpandika teny atao ny manisy fanamarihana izay manao hoe: "Ny anarana hoe Imanoela dia midika hoe "momba antsika Andriamanitra." Andikao araka ny ao amin'ny 7:13 ity.
DH: "hanorotoro ny tafikareo Aho"
Ataon'Isaia toy ny hoe maheno azy ireo vahoaka any amin'ny firenen-kafa. DH: "Mihainoa, ry vahoaka any amin'ny toerana lavitra rehetra"
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary miara-ampiasaina ho fanamafisan-kevitra. DH: "mahazo miomana ho amin'ny ady ianareo, saingy ho resiko"
DH: "mahazo miomana hanafika an'i Joda ianareo, saingy tsy hahomby"
Ny "manatanteraka" paik'ady na didy dia fanaovana izay tian'ilay nanao ny paik'ady na ilay didy ho ataon'ilay mpihaino. DH: "tsy ho afaka hanao izay kasainareo hatao ianareo ... tsy ho afaka hanao izay asain'ny mpifey azy ireo atao ny miaramilanareo"
"Niteny tamiko tamin'ny fomba mahery dia mahery Yaveh"
DH: "ary nampitandrina ahy ka nanao hoe: 'aza manao tahaka ity vahoaka ity."'
Nalain'ny vahoaka sary an-tsaina fa nisy fikononkononana any, ary mahatonga azy ireo hitebiteby. DH: "Aza manahy tahaka ity vahoaka ity izay mihevitra fa misy mitady hanisy ratsy azy foana"
DH: "Fa Izaho, yaveh tompon'ny maro, no ho raisinao ho masina. Ary hatahotra sy hihovitrovitra nohon'ny amiko ianao"
Manohy ny tenin'i Yaveh izay niantomboka tao amin'ny 8:11 Isaia.
Ny teny hoe "fitoerana masina" dia sarinteny ilazana an'i Yaveh miaro ny vahoakany. DH: "Hiaro azy ireo Izy rehefa mankeo aminy izy ireo"
Ny teny hoe "vato famelezana" sy "vatolampy fanafintohinana" dia samy sarinteny ilazana an'i Yaveh manisy ratsy ny olony. Misy ny mandika ny hoe "famelezana" sy "fanafintohinana" ho "fanafintohinana" sy "fandavoana;" ary ny sasany indray dia mandika izany hoe "manohina" sy "mamingana." DH: "hamely ny olony Izy, tahaka ny vato izay mahavoadona ny tongotry ny olona ka mahavoafingana azy, ary tahaka ny vatolampy izay mampianjera ny olona"
Ny teny hoe "fandrika" sy "tonta" dia saika mitovy hevitra ary manamafy fa rehefa manapa-kevitra ny hanafay ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh dia tsy ho afa-mandositra izy ireo. DH: "hamandrika ny vahoakan'i Jerosalema Izy mba tsy hahafahan'izy ireo mandositra Azy"
fitaovana hanatrarana vorona ao anaty harona na harato
fandrika ampiasaina haningotra ny tongotra na ny oron'ny biby
DH: "Olona maro no ho tafintohin'ilay vato, ary rehefa mianjera izy ireo dia tsy ho tafarina. Ary maro no handingana ho eo amin'ilay fandrika, ary tsy ho tafavoaka izy ireo"
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary miara-ampiasaina ho fanamafisan-kevitra fa ho voan'ny fandrika izy ireo.
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. DH: "Nanidy mafy tsara ny horonan-taratasy niaraka tamin'ilay hafany voasoratra ao amin'izany"
Tsy mazava hoe izy no tondroin'ny mpisolo-tena tampisaka "-ko." Mety ho Isaia na Yaveh io. Tsara kokoa ny mamela io mpisolotena io ho hifangaro raha mety amin'ny fiteninao izany.
Eto ny hoe "aho" dia manondro an'Isaia.
Eto ny "tava" dia fibangoan-teny ilazana ny fitahiany na ny fankasitrahany. DH: "izay nanala ny fitahiany taminy ankohonan'i Jakoba" na "izay tsy mijery am-pankasitrahana ny ankohonan'i Jakoba intsony"
vahoakan'Israely
"Izaho sy ireo zanaka nomen'i Yaveh ahy ho famantarana hampitandremana ny vahoakan'Israely." I Seara-jasoba sy Mahera-Salala-Hasi-Baza ireo zanany ireo, izay hafatra ho an'ny vahoakan'Israely ny anarany. (Jereo ny 7:3 sy 8:1)
Miteny Isaia.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hilaza aminao izy ireo hoe: 'Manontania amin'ireo mpahita sy mpsikidy, ireo izay tsindrian-javatra mimonomonona sy mibitsibitsika fiantsoana. Fa tsy tokony hanontany ny Andriamaniny ve ny olona? Tsy tokony hila saina amin'ny maty ho an'ny velona ve izy ireo ny amin'ny lalàna sy ny fijoroana vavolombelona." na 2) "Rehefa milaza aminao izy ireo hoe: 'Manontania amin'ireo mpahita sy mpsikidy, ireo izay tsindrian-javatra mimonomonona sy mibitsibitsika fiantsoana,' tsy tokony hanontany ny Andriamaniny ve ny olona? Tokony hila saina amin'ny maty ho an'ny velona ve izy ireo? Araka ny lalàna sy ny fijoroana vavolombelona!"
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo izay tsy matoky an'i Yaveh. Ny teny hoe "aminareo" dia manondro ireo matoky an'i Yaveh.
"Anontanio amin'ireo mpahita sy ireo mpisikidy izay tokony hatao"
ireo izay milaza ho miresaka amin'ireo izay efa maty
Ny teny hoe "mimonomonona" sy "mibitsibitsika" dia ilazana ny feo ataon'ireo mpahita sy ireo mpisikidy rehefa miezaka hiresaka amin'ny maty izy ireo. DH: "ireo izay mibitsibitsika sy mimonomonona milaza teny manan-jina ary miezaka hiresaka amin'ny maty"
manao feom-borona
Ireo fanontaniana ireo dia mampiseho fa afaka mila saina amin'Andriamanitra ny olona fa tsy manao zavatra adaladala amin'ny fiezahana hiresaka amin'ny maty. DH: "Fa tokony mangataka amin'Andriamanitra mba hitarika azy ireo ny olona. Tsy tokony hitady valiny avy amin'izay efa maty izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "Mitandrina ny toro-lalan'Andriamanitra sy ny fampianarany" na 2) "Dia aoka ho tsaroanao ny fampianarana sy ny fijoroana vavolombelona natolotro." (8:16).
Io ihany ilay teny nadika hoe "firaketana ofisialy" ao amin'ny 8:16.
Adikao araka ny ao amin'ny 8:16.
"Raha tsy miresaka momba ny lalàna sy ny fijoroana vavolombelona izy ireo"
Ny olona izay tsy mahalala an'Andriamanitra dia resahin'Isaia toy ny hoe olona mandeha amin'ny aizina tsy misy fahazavana. DH: "dia satria tahaka ny olona very anaty aizina izy ireo"
"alahelo mafy dia mafy"
DH: "Ho roahin'i Yaveh mankany amin'ny tanin'ny fahamaizinana izy ireo"
1 Hiala ny aizim-pito eo aminy izay tao anatin'ny fangirifiriana. Tamin'ny taloha dia nanala baraka ny tanin'i Zebolona sy ny tanin'i Naftaly Izy, nefa amin'ny fotoana aty aoriana dia hanao izany ho be voninahitra izy, sy lalana mankany amin'ny ranomasina, any an-dafin'i Jordana, ireo firenen'i Galilea. 2 Efa nahita fahazavana lehibe ny vahoaka izay mandeha amin'ny aizina; ireo izay efa niaina tao amin'ny tanin'ny aloky ny fahafatesana, efa namirapiratra teo amin'izy ireo ny fahazavana. [1]3 Efa nampamaro ny firenena Ianao; efa nampitombo ny hafalian'izy ireo Ianao. Mifaly manoloana Anao izy ireo tahaka ny fifaliana amin'ny fotoan'ny fijinjana, toy ny olona faly rehefa mizara ny voaroba izy ireo. 4 Notorotoroinao toy ny tamin’ny andron’ny Midiana ny zioga mavesany, ny andry teo an-tsorony, ny tsorakazon’ny mpampahory azy. 5 Fa ny kiraro rehetra izay manitsaka eo amin’ny fikorontanana sy ireo akanjo mihoson-drà, dia ho dorana, atao solika ho an’ny afo. 6 Fa zaza no teraka ho antsika, zanaka lahy no nomena antsika, ary ny fanapahana ho eo amin'ny sorony; ary ny Anarany ho antsoina hoe Mpanolo-tsaina Mahagaga, Andriamanitra Mahery, Ray Mandrakizay, Andriandahin'ny Fiadanana. 7 Amin'ny fitombon'ny Governemantany sy amin'ny fiadanana dia tsy hisy farany, raha manapaka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida Izy, sy eo amin'ny fanjakany, mba hametrahany sy hanohanany izany amin'ny rariny sy fahamarinana tamin'ny nanomboka tamin'io fotoana io ary ho mandrakizay. Ny zotom-pon'i Yaveh Tompon'ny maro no hanao izany. 8 Nandefa teny ho an'i Jakoba ny Tompo, ary tonga teo amin'Israely izany. 9 Ny vahoaka rehetra hahafantatra, na dia i Efraima sy ireo mponin'i Samaria, izay miteny amin'ny fiavonavona sy fireharehan'ny fony hoe: 10 "Efa nianjera ireo biriky, nefa hatsangatsika indray amin'ny vato fandraka izany; efa voatapaka ireo amontana, fa ho solointsika sedera eo amin'ny toerany." 11 Noho izany hitsangana hanohitra azy i Yaveh dia i Rezina, ilay mpifanandrina aminy, ary hamporisika ireo fahavalony, 12 dia ireo Syriana avy any atsinanana, ary ireo Filistina avy any andrefana. Handevona ny Israely amin'ny vavany misanasana izy ireo. Amin'izany zavatra rehetra izany, tsy nihena ny fahatezerany; fa kosa, mbola mihinjitra ny tanany. 13 Nefa ny olona tsy hiverina Aminy izay namely azy ireo, na hitady an'i Yaveh Tompon'ny maro. 14 Koa dia ho tapahin'i Yaveh ny loha sy ny rambon'Israely, ny sampan-drofia sy ny volotara, ao anatin'ny indray andro. 15 Ny mpitarika sy ny olona mendri-kaja no lohany; ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambony. 16 Ireo izay mitarika ireo vahoaka ireo no mitarika azy ireo amin'ny lalan-diso, ary ireo izay mitarika azy ireo no voatelina. 17 Noho izany tsy ho faly amin'ny zatovolahin'izy ireo ny Tompo na hanana fangoraham-po eo amin'ny kambotin'izy ireo sy ireo mpitondratena Izy, satria ny olona rehetra mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy, ary ny vava rehetra miteny adalana. Amin'izany zavatra rehetra izany, dia tsy mihena ny fahatezerany; fa kosa, mbola mihinjitra ny tanany. 18 Fa ny faharatsiana mandoro toy ny afo; mandevona ny hery sy ny tsilo izany; mandoro ny kirihitr'ala aza izany, izay miakatra ao amin'ny savorovoron-tsetroka. 19 Amin'ny fahatezeran'i Yaveh Tompon'ny maro no mandoro ny tany, ary ny olona dia toy ny solika ho an'ny afo. Tsy misy olona miantra ny rahalahiny. 20 Handrapaka ny sakafo amin'ny tanana ankavanana izy ireo nefa noana ihany; hihinana ny sakafo amin'ny tanana ankavia izy ireo nefa tsy ho afa-po. Na dia ny tsirairay aza dia hihinana ny nofon'ny sandriny ihany. [2]21 Manase handevona an'i Efraima, ary Efraima handevona an'i Manase; ka hiaraka hanafika an'i Joda izy ireo. Amin'izany zavatra rehetra izany, tsy hihena ny fahatezerany; fa kosa, mbola mihinjitra ny tanany.
Ny fitiavana izay very ara-panahy dia resahin'Isaia toy ny hoe mandendeha eny amin'ny aizina tanteraka. DH: "Hanala ny aizina eo amin'izay tao anatin'ny fangirifiriana Yaveh"
Io teny io dia midika "aizina amin'ny ampahany na tanteraka." Adikao araka ny nandikanao ny "aizim-pito" ao amin;ny 8:21.
"izay nijaly tamin'ny fanaintainana sy alahelo." Mety ho sarinteny ilazana ny vahoakan'i Joda io.
Ny teny hoe "tany" dia ilazana ny olona izay monina ao amin'ilay faritra. DH: "Taloha, dia nampihetry ireo izay nonina tao Zebolona sy Naftaly ny Tompo"
Ny teny hoe "izany" dia manondro an'i Galilia izay maneho ny olona monina any. DH: "fa amin'ny ho avy, ny Tompo dia hanome voninahitra ny vahoakan'ireo firenena monina ao Galilia, izay eo amin'ny lalana eo anelanelan'ny Ranomasina Mediteraneana sy ny Onin'i Jordana"
Eto ny "firenena" dia ilazana ny olona avy amin'ny firenena hafa izay monina ao Galilia. DH: "Galilia, izay misy vahiny maro monina"
Ny olona miaina anaty fiainana feno fahotana sy fahoriana nohon'ny amin'izany dia resahin'Isaia toy ny hoe nandeha tao anaty aizina na monina ao amin'ny tanin'ny aloky ny fahafatesana.
Eto ny "fahazavana" dia maneho fanantenana sy fanafahana.
Ny andian-teny hoe "aloky ny fahafatesana" dia fomba fiteny ilazana ny aizina fara-tampony. DH: "ny tanin'ny aizina lalina indrindra"
Manohy mamaritra ny fotoana izay hamonjen'Andriamanitra ny vahoakan'Israely i Isaia. Na dia hitranga amin'ny ho avy aza ireo tranga ireo (9:1), dia faritan'Isaia toy ny hoe efa nitranga sahady ireo. Manamafy izany fa tena hitranga tokoa ireo.
Ny teny hoe "Ianao" dia manondro an'i Yaveh. Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely, saingy ampidirin'Isaia ho isan'Israely koa izy. DH: "Ry Tompo, hampitombo be ny vahoakanay sy ny voninahitra Ianao"
"Hifaly eo anatrehanao tahaka ny hifalian'ny vahoaka rehefa manangona ny vokany na rehefa vita ny ady ka mifampizara izay nalainy ny miaramila izy ireo"
Manohy mamaritra ny fotoana izay hamonjen'Andriamanitra ny vahoakan'Israely i Isaia. Na dia hitranga amin'ny ho avy aza ireo tranga ireo (9:1), dia faritan'Isaia toy ny hoe efa nitranga sahady ireo. Manamafy izany fa tena hitranga tokoa ireo.
Ny Israelita, izay andevon'ny Asyriana, dia resahin'Isaia toy ny hoe omby izay misy zioga. Hitranga amin'ny ho avy izany, saingy resahiny toy ny hoe efa nitranga sahady. DH: "Fa toy ny tamin'ny andron'ny Midiana dia hanafaka ny vahoakan'Israely tsy ho andevon'ny mpampahory azy ireo tahaka ny hanesoran'ny olona ny zioga tsy ho eo amin'ny soroky ny biby Ianao"
Ny vahoakan'Israely dia resahin'Isaia toy ny hoe olona iray ihany. DH: "an-tsoron'izy ireo ... ny zioga mavesatr'izy ireo ... mpampahory azy ireo"
Ny andry dia ampahany amin'ny zioga izay mankeo amin'ny sorok'ilay omby.
Ny mety ho dikany hafa dia "tehina," tapaka hazo lava izay ampiasain'ny olona hikapohana ny omby mba hiasan'ireo ho mariky ny fahefan'ny olona iray hanapaka eo amin'ny olona hafa.
Ny fahefana ananan'ny mpampahory eo amin'ny vahoakan'i Joda dia resahin'Isaia toy ny hoe tsorakazo ampiasain'ny olona iray hikapohana omby mba hiasany.
Ny teny hoe "andro" dia fomba fiteny izay azo ilazana ny tranga izay mitranga mihoatra ny iray andro. DH: "toy ny tamin'ny nandresenareo ny Midianita"
DH: "ho doranao ny kiraron'ireo miaramila sy ny akanjony, izay mihosin-drà"
Azo atao mazava kokoa amin'ny fandikana izany amin'ny fehezanteny vaovao io. DH: "dorana. Hataonao solika handrehetana afo ireo kiraro sy akanjo"
Manohy mamaritra ny fotoana izay hamonjen'Andriamanitra ny vahoakan'Israely i Isaia. Na dia hitranga amin'ny ho avy aza ireo tranga ireo (9:1), dia faritan'Isaia toy ny hoe efa nitranga sahady ireo. Manamafy izany fa tena hitranga tokoa ireo.
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Ny teny hoe "antsika" dia ilazana ilay miteny sy ny mpihaino. DH: "Ha hanome zaza ho antsika ny Tompo"
"hanana fahefana hanapaka ho mpanjaka izy" na "Hatan'i Yaveh hanana andraikitra ny hanjaka izy"
olona izay manoro hevitra ny mpanjaka
"Rehefa mandeha ny fotoana dia hanjaka eo amin'ny olona maro mihamaro hatrany izy ary hahatonga azy ireo ho afaka hiaiana am-piadanana hatrany''
Ny fipetrahana eo amin'ny "seza fiandrianan'i Davida" dia fibangoan-teny ilazana ny fananana zo hanjaka; ny taranak'i Davida ihany no afaka ny ho mpanjakan'Andriamanitra. DH: "hanan-jo hanapaka amin'ny maha-taranak'i Davida"
Afaka adika amin'ny fehezanteny vaovao io. DH: "ny fanjakany Izy. Hametraka sy hiaro ny fanjakany izy, ary hanao izay rariny sy marina'
Adikao araka ny ao amin'ny 1:9.
Ny hoe "Nandefa teny" dia midiaka ho miteny. DH: "Niteny hanohitra ny vahoakan'Israely ny Tompo"
Ireo anarana ireo dia manondro ny vahoakan'ny fanjakana tavaratr'Israely.
Azo atao mazava izay ho fantatr'izy ireo. DH: "HO fantatry ny olona rehetra fa efa nitsara azy ireo ny Tompo, na dia ireo izay any Efraima sy Samaria aza"
Azo atao mazava ny hevitra fenon'io fanambarana io. DH: "Ho solinay vato lafo vidy ny biriky mahazatra teo amin'ireo tanàna ravanay, ary hamboly hazo sedera teny amin'izay nanirian'ny amontana mahazatra izahay"
Eto "Rezina" dia maneho ny tafiny. DH: "Noho izany, Yaveh dia hitondra an'i Rezina sy ny tafiny hanohitra ny vahoakan'Israely"
Anaran-dehilahy io. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 7:1.
Ny teny hoe "hamporisika" dia fomba fiteny izay midika hoe hanosika azy ireo hanafika. DH: "ary hahatonga ny fahavalon'Israely hanafika Yaveh"
Ny "mandrapaka" dia fomba fihinanan'ny biby ny hazany. DH: "Tahaka ny fihinan'ny biby ny hazany no hamotehan'ny fahavalo ny vahoakan'Israely"
"Na dia nitranga aza ireo zavatra rehetra ireo, dia mbola tezitra ihany Izy, ary ny tanany." Adikao araka ny ao amin'ny 5:25.
Resahin'Isaia toy ny hoe olona izay efa hamely totohondry olon-kafa Yaveh. Sarinteny ilazana ny famaizan'i Yaveh an'Israely izany. Adikao araka ny ao amin'ny 5:25. DH: "mbola vonona ny hanafay azy ireo ihany Izy"
Adikao araka ny ao amin'ny 1:9.
Manazava io sarinteny io Isaia ao amin'ny andininy faha 15. Ny "loha," izay ampahany eo amin'ny biby izay tian'ny olona ahatongavana, dia "mpitondra na olo-manan-kaja," ary ny "rambo," izay faritra maloto eo amin'ny biby, no "mpaminany mampianatra lainga."
Ny "sampan-drofia" dia maniry ambony eny amin'ny hazo ary sarinteny ilazana ny olona izay manan-danja ary manapaka eo amin'ny hafa. Ny "volotara" dia maniry eny amin'ny rano marivo ary sarinteny ilazana ny olona izay mahantra sy tsy manan-danja ary hanjakan'ny hafa.
Ireo mpitondra izay mahatonga ny vahoaka tsy hankatoa dia resahina toy ny hoe nitondra azy ireo tamin'ny lalan-diso. DH: "Nahatonga ny vahoaka tsy hankatoa an'Andriamanitra ireo mpitondra"
Ireo mety ho heviny dia 1) DH: "ary ireo izay tarihin'izy ireo dia mikorontana" na 2) DH: "ary aringan'i Yaveh ireo izay tarihin'izy ireo"
Ny teny hoe "vava" dia ilazana ilay olona. DH: "miteny fahadalana avokoa ny olon-drehetra"
"Na dia nitranga aza ireo zavatra rehetra ireo, dia mbola tezitra ihany Izy, ary ny tanany." Adikao araka ny ao amin'ny 5:25.
Resahin'Isaia toy ny hoe olona izay efa hamely totohondry olon-kafa Yaveh. Sarinteny ilazana ny famaizan'i Yaveh an'Israely izany. Adikao araka ny ao amin'ny 5:25. DH: "mbola vonona ny hanafay azy ireo ihany Izy"
Ny asa ratsin'ny olona dia resahina toy ny hoe afo mandravarava. Io afo io dia mandoro na ny tsilo, izay zava-maniry eny amin'ny toerana efa tsy misy monina intsony aza, sy ny "kirihitr'ala izay tsy mbola nisy nipetraka, satria efa namotika ny toerana izay nonenan'ny olona izany.
Ny teny hoe "tsilo'' dia ilazana ny hazo feno tsilo tsy misy ilana azy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 7:23.
Adikao araka ny ao amin'ny 1:9 ny hoe "Yaveh tompon'ny maro." DH: "Tahaka ny afo izay mandoro ny tanàna no handringanan'ny fahatezeran'ny Tompo mafy dia mafy ny vahoakan'Israely"
Tsy misy manao na inona na inona hanampiana ny hafa mba handositra"
Io fomba fiteny io dia midika fa handrapaka sakafo eny amin'izay mety ahitany izany ny olona.
Ireo mety ho heviny dia 1) ho noana tokoa ny olona hany ka haniry hihinana na tena hihinana ny sandriny tokoa, na 2) ny teny hoe "sandry" dia sarinteny ilazana ny naman'ny olona iray.
"Na dia nitranga aza ireo zavatra rehetra ireo, dia mbola tezitra ihany Izy, ary ny tanany." Adikao araka ny ao amin'ny 5:25.
Resahin'Isaia toy ny hoe olona izay efa hamely totohondry olon-kafa Yaveh. Sarinteny ilazana ny famaizan'i Yaveh an'Israely izany. Adikao araka ny ao amin'ny 5:25. DH: "mbola vonona ny hanafay azy ireo ihany Izy"
1 Loza ho an'ireo izay manao lalàna tsy araka ny hitsiny ary manoratra didy tsy ara-drariny. 2 Tsy manome rariny ireo mila fanampiana izy ireo, mandroba ny oloko mahantra amin'ny zony izy ireo, mandroba ireo mpitondratena, ary manao ireo kamboty ho hazan'izy ireo! 3 Inona no hataonao amin'ny andro fitsarana rehefa ho tonga avy lavitra ny faharavana? Amin'iza ianao no hitady fanampiana, ary aiza no hamelanao ireo harenanao? 4 Tsy hisy na inona na inona ho tavela, ary hitampify eo amin'ireo gadra ianao na ho lavo eo amin'ireo maty. Amin'ireo zavatra rehetra ireo, dia tsy hihena ny hatezerany; fa kosa, ny tanany dia mbola mihinjitra hatrany. 5 Loza ho an'ireo Asyriana, ny tsorakazon'ny fahatezerako, tsorakazo izay hitondrako ny fahavinirako! 6 Alefako hanohitra firenena miavonavona sy hanohitra ny vahoaka izay mizaka ny hatezerako manafotra izy. Mandidy azy haka ny babo, haka ny haza, ary hanitsaka ireo tahaka ny fotaka eny amin'ireo lalana Aho. 7 Kanefa tsy izany no kasainy, na hoe mihevitra toy izany izy. Ao am-pony izany hoe handrava sy handringana firenena maro izany. 8 Fa hoy izy hoe: "Moa tsy mpanjaka avokoa ve ireo andrian-dahiko rehetra?" 9 Tsy tahaka an'i Karkemisy ve i Kalno? Tsy tahaka an'i Arpada ve i Hamata? Tsy tahaka an'i Damaskosy ve i Samaria? 10 Tahaka ny nandresen'ny tanako ireo fanjakana mpanompo sampy, izay ireo sarin-javatra sokitr'izy ireo dia lehibe kokoa noho ireo an'i Jerosalema sy Samaria, 11 tahaka izay nataoko tany Samaria sy ireo sampy zava-poany, moa tsy hanao toy izany amin'i Jerosalema sy ireo sampiny ihany koa ve aho?" 12 Rehefa nahavita ny asany teo amin'ny Tendrombohitra Ziona sy tao Jerosalema ny Tompo, dia hanasazy ny tenin'ny fo miavonavon'ny mpanjakan'i Asyria sy ny fijery feno avonavony Aho. 13 Fa izy niteny hoe: "Amin'ny alalan'ny tanjako sy ny fahendreko no hiasako." Manana fahazavan-tsaina aho, ary efa nanala ny fefin'ireo vahoaka. Efa nangalariko ny haren'izy ireo, ary tahaka ny ombilahy no nampidinako ireo mponina. 14 Toy ny fisamborana avy ao amin'ny akany, no nakan'ny tanako ireo haren'ny firenena, ary tahaka ny fanangonan'ilay iray ireo atody nilaozana, no hanangonako ny tany rehetra. Tsy nisy nanakopakopaka ny elany izy ireo na nanokatra ny vavany na nihiakiaka." 15 Moa ve ny famaky hirehareha momba ny tenany amin'ilay iray izay mampiasa izany? Moa ve ny tsofa hidera bebe kokoa ny tenany noho ilay iray izay manapaka amin'ny alalan'izany? Izany dia tahaka ny hoe: tsorakazo iray izay afaka miainga amin'ireo izay manainga izany na toy ny hoe afaka manainga olona ilay tsorakazo. 16 Noho izany dia handefa fahiazana eo amin'ireo mpiadiny sangany i Yaveh Tompo tompon'ny maro; ary eo ambanin'ny voninahiny dia hisy firehetana tahaka ny afo mirehitra. 17 Ho tonga afo ny fahazavan'Israely, ary ilay Iray Masiny ho lelan'afo; handoro sy handevona ireo tsilony ao anatin'ny iray andro monja izany. 18 Yaveh dia hanimba ny voninahitry ny alany sy ny taniny mamokatra, dia ny fanahin'izany sy ny vatan'izany; ho tahaka ny ain'ny olona marary miha-osa izany. 19 Ho vitsy ireo sisa tavela amin'ireo hazon'ny alany, ka na ny zaza aza afaka hanisa ireo. 20 Amin'izany andro izany, ireo Israely sisa, ireo fianakavian'i Jakoba izay nitsoaka, dia tsy hiantehitra amin'ilay iray izay nandresy azy ireo intsony, fa hiankina amin'i Yaveh tokoa, dia ilay Iray Masin'Israely. 21 Izay tavela amin'i Jakoba dia hiverina any amin'ilay Andriamanitra mahery. 22 Fa na ny olonao aza, ry Israely, dia tahaka ny tora-pasika eny amoron-dranomasina, izay sisa tavela amin'izy ireo ihany no hiverina. Notendrena ny faharavana, araka ny fangatahana manafotry ny fahamarinana. 23 Fa i Yaveh Tompo tompon'ny maro, dia eo an-dalam-pitondrana ny faharavana izay notendrena manerana ny tany. 24 Noho izany i Yaveh Tompo tompon'ny maro milaza hoe: "Ry vahoakako izay mipetraka ao Ziona, aza matahotra ireo Asyriana." Hamely anao amin'ny tsorakazo izy, ary hanangana ny tehiny aminao, araka izay nataon'ireo Egyptiana. 25 Aza matahotra azy, fa afaka fotoana fohy dia hifarana ny hatezerako aminao, ary hitarika ny faharavany ny hatezerako." 26 Ary i Yaveh tompon'ny maro dia hanainga ny karavasiny amin'izy ireo, toy ny tamin'ny nandreseny an'i Midiana teo am-batolampy Oreba. Hanainga ny rantsan-kazony eo amin'ny ranomasina Izy ary hanainga izany toy ny nataony tao Egypta. 27 Amin'izany andro izany, ny vesany dia hiainga avy eo amin'ny sorokao ary ny ziogany avy eo amin'ny vozonao. Ary ny zioga dia ho rava nohon'ny hatavezana. [1]28 Tonga tao Aiata ny fahavalo ary nandalo an'i Migrona; tany Mikmasy no nitehirizany ireo vatsiny. 29 Niampita tamin'ny fandalovana izy ireo ary nitoetra tao Geba. Nihovitrovitra i Rama ary nandositra i Gibean'i Saoly. 30 Mikiakiaha mafy, ry zanaka vavin'i Galima! Aoka ho liana, ry Laisy! Indrisy ry Anatota mahantra. 31 Mandositra i Madmena, ary ireo mponin'i Gebima dia mihazakazaka ho amin'ny fiarovana. 32 Amin'io andro io mihitsy no hijanona ao Noba izy ka hamokona ny totohondriny any an-tendrombohitry ny zanaka vavin'i Ziona, ilay havoan'i Jerosalema. 33 Indro, ilay Yaveh Tompo tompon'ny maro hampianjera ny sampana amin'ny fianjerana mahatsiravina; ireo hazo lava indrindra dia hotapahana, ary izay avo dia hafohezina. 34 Hamaky ireo matevina indrindra amin'ny ala amin'ny famaky izy, ary i Libanona dia hianjera amin'ny fiandrianany.
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. DH: "ireo izay manao lalàna sy didy tsy rariny amin'ny olon-drehetra"
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. DH: "Maneho tsy rariny amin'ny mahantra ny oloko ory izy ireo"
"olo-mahantra"
"maka ny zava-drehetra amin'ny vehivavy maty vady"
Mampitaha ny kamboty amin'ny biby izay hazain'ny biby hafa hohaniny Isaia. Manamafy izany fa tsy afa-manoatra ireo kamboty ireo ary azon'ny mpitsara hasiana ratsy mora foana. DH: "ary manisy ratsy ireo ankizy tsy manan-dray aman-dreny tahaka ny fanenjehan'ny biby iray ny hazany"
Adikao araka ny ao amin'ny 5:29 ny hoe "haza".
Ampiasain'Isaia io fanontaniana io mba hibedesana ireo izay manisy ratsy ny mahantra sy ny osa tao Joda. DH: ''Tsy afaka hanao na inona na inona ianareo amin'ny andro fitsarana ... faharavana!"
"ny andro izay hahatongavan'i Yaveh histara anareo"
Ampiasain'Isaia io fanontaniana io mba hibedesana ireo izay manisy ratsy ny mahantra sy ny osa tao Joda. DH: "Tsy hanan-kaleha ianareo mba hitady fanampiana, ary tsy hanan-toerana hanafenana ny harenareo ianareo!"
"Tsy misy tavela hoataonao"
"ary ny fahavalonareo dia haka anareo ho gadra na hamono anareo"
"Na dia nitranga aza ireo zavatra rehetra ireo, dia mbola tezitra ihany Izy, ary ny tanany." Adikao araka ny ao amin'ny 5:25.
Resahin'Isaia toy ny hoe olona izay efa hamely totohondry olon-kafa Yaveh. Sarinteny ilazana ny famaizan'i Yaveh an'Israely izany. Adikao araka ny ao amin'ny 5:25. DH: "mbola vonona ny hanafay azy ireo ihany Izy"
Ity teny ity dia manamarika ny fiandohan'ny fanambaran'Andriamanitra momba ny famaizana henjana hanohitra an'i Asyria.
Manondro ny mpanjakan'i Asyria io.
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Mampitaha ny mpanjakan'i Asyria amin'ny fitaovam-piadiana izay entin'ny olona eny an-tanany ka hamelezany ny hafa i Yaveh. Manamafy izany fa ny mpanjakan'i Asyria sy ny tafiny dia fitaovana izay ampiasain'i Yaveh hamaizana an'Israely. DH: "izay ho tahaka ny fiadiana eny an-tanana izay hampiasaiko hanehoako ny fahatezerako"
Ny teny hoe "azy" dia manondro ny mpanjakan'i Asyria. Saingy tsy midika izany fa ny mpanjakan'i Asyria ihany no hirahin'Andriamanitra; irahiny miaraka amin'ny tafik'i Asyria izy. DH: "Alefa ko ny tafik'i Asyria ... Mandidy azy ireo"
"hanafika firenena feno olona mirehereha izay nahatezitra Ahy tokoa"
Ny fahatezerany dia resahin'i Yaveh toy ny hoe rano izay tsy omby ny fasiana azy; miezaka mitondra io fasiana io ny "olona," saingy mavesatra izany, ary mbola mandraraka rano hatrany Yaveh na dia efa nitobaka aza izany. DH: "izay mahatezitra Ahy hatrany na dia taorian'ny namaizako azy aza"
"haka ny zava-drehetra hananany"
haka ny olona tahaka ny haza.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 5:29.
Ny hevitry ny hoe "izany" sy "toy izany" dia azo atao mazava. DH: "Saingy tsy mikasa ny hanao izay lazaiko aminy ny mpanjakan'i Asyria, na mihevitra fa mampiasa azy ho fiadiana Aho"
Ny teny hoe "handrava" sy "handringana" dia mitovitovy hevitra ihany. Ampiasaina ho fanamafisan-kevitra ireo. DH: "Te handringana firenena maro tanteraka izy"
Mampiasa fanontaniana ny mpanjakan'i Asyria mba hanindriana ny amin'izay inoany fa tokony ho efa fantatry ny rehetra. DH: "Efa nataoko mpanjaka teo amin'ireo tany baboko rehetra ny kapitenin'ny tafiko"
Mampiasa fanontaniana ny mpanjakan'i Asyria ho fanamafisan-kevitra ireo. DH: "Tsy hafa amin'i Karkemisy i Kalno. Tsy hafa amin'i Arpada i Hamata. Tsy hafa amin'i Damaskosy i Samaria. Efa nobaboiko avaokoa izy rehetra"
Anaran-tanàna ireo.
Manohy milaza izay nolazain'ny mpanjakan'i Asyria i Yaveh. (Jereo ny 10:7)
Ny "tanana" eto dia ilazana ny herin-tafika. DH: "Tahaka ny nandresen'ny tafika maheriko" na "Tahaka ny nandreseko"
Manondro ny mpanjakan'i Asyria io.
Nandritra izany fotoana izany dia nino ny olona fa ny halehiben'ny sampy no nampiseho ny tanjaky ny fanjakana izay nanao izany. Milaza ny mpanjakan'i Asyria fa satria tsy lehibe noho ireo tao amin'ny fanjakana izay resiny ny sampy ao Jerosalema, dia tsy dia ho afaka handresy azy noho ireny i Jerosalema.
Ny teny hoe "Samaria" dia manondro ny vahoaka izay monina ao, ary ny mpisolo-tena tampisaka "-ny" dia manondro ny tanànan'i Samaria. Matetika ny tanàna sy ny firenena dia resahina toy ny hoe vehivavy. DH: " tahaka ny nataoko tamin'ny vahoakan'i Samaria sy ireo sampy tsy misy dikany"
Nampiasa io fanontaniana io ny mpanjakan'i Asyria mba hanindriana ny fahazoan'antoka fa ho babony ny vahoakan'i Jerosalema. DH: "hanao tahaka izany amin'i Jerosalema sy ny sampiny tokoa aho!"
Ataon'i Yaveh toy ny hoe olon-kafa ny tenany. "Rehefa vitako, Izaho Tompo, ny asa teo amin'ny Tendrombohitra Ziona sy tao Jerosalema ny Tompo, dia hanasazy"
ny asa famaizany. "hanasazy ... ary hanasazy"
"hanafay ny mpanjakan'i Asyria noho ireo zavatra izay nolazainy sy ny endrika avonavona eny amin'ny tavany aho"
"Fa hoy ny mpanjakan'i Asyria hoe"
Eto ny teny hoe "aho" dia manondro ny mpanjakan'i Asyria. Izy no mpitarika ny tafika Asyriana ary mahazo ny sitraka nohon'ny amin'izay ataon'ny tafika araka ny didiny. DH: "efa nanala ny fefin'ireo vahoaka ny tafiko"
"matanjaka tahaka ny omby." Ny lahatsoratra taloha sasany dia manao hoe: "tahaka ny lehilahy mahery."
"no nampidinako sy ny tafiko"
Ireo mety ho heviny dia 1) nanala baraka ny vahoakan'ireo firenena izay resiny ny mpanjakan'i Asyria, na 2) nesorin'ny ny mpanjakan'ireo firenena ireo ka tsy afaka manjaka intsony.
Manohy milaza izay nolazain'ny mpanjakan'i Asyria i Yaveh. (Jereo ny 10:12)
Ny tanana dia fibangoan-teny ilazana ny fahefan'ny mpanjaka na ny tafiny. DH: "tamin'ny fahefako no nakako" na "nakan'ny tafiko"
Mampitaha ny fakana ny harena avy amin'ireo firenena amin'ny olona maka atody amin'ny akanim-borona ny mpanjakan'i Asyria. Manamafy ny fahamoran'ny fandresena ireo fanjakana hafa ireo ho azy sy ny tafiny izany. DH: "Efa nangalatra ny harena avy amin'ireo firenena tahaka ny fakan'ny olona mora foana ny atody avy ao amin'ny akany ny tafiko"
"ary tahaka ny fakan'ny olona ny atody avy amin'ny akany rehefa tsy eo mba hiaro izany ny vorona, no nakan'ny tafiko ny haren'ny firenena rehetra"
Io dia mampitaha ny firenena amin'ny vorona izay mipetraka mangingina rehefa avy nangalarina ny atodiny. Izany dia manindry fa tsy nanao na inona na inona ireo firenena rehefa naka ny fananany rehetra ny tafik'i Asyria. DH: "Ary tahaka ny vorona izay tsy mamoaka feo na mikopakopak'elatra rehefa misy maka ny atodiny, dia tsy nanao na inona na inona ihany koa ireo firenena rehefa naka ny hareny izahay"
Mampiasa ireo fanontaniana ireo ny mpiteny hanesoana ny mpanjakan'i Asyria. DH: 'Tsy afaka mirehereha ny famaky fa tsara noho ilay mitana izany. Ary ny tsofa dia tsy mahazo voninahitra noho ilay iray izay manapaka amin'izany."
fitaovana maranitra hanapahana hazo
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary miara-ampiasaina mba hanamafisana ny hevitr'ireo fanontaniana roa nialoha azy. Azo adika amin'ny endrika fehezanteny vaovao io. DH: "Ary ny tsorakazo na ny tehina dia tsy afaka manainga ny olona izay mitsimpona izany"
Tsy mazava raha Yaveh na Isaia no miteny eto. Azo averina arafitra io mba ho azo adika hoe "osa tokoa" ny teny hoe "fahiazana." DH: "Noho izany, Izaho Yaveh tompon'ny maro, dia hahatonga ny miaramilan'ny mpanjaka matanjaka indrindra ho osa tanteraka"
Mampitaha ny famaizany amin'ny afo Yaveh. Manamafy izany fa ny famaizany dia hamotika tanteraka ny famirapiratana sy ny fahalebiazan'ny fanjakan'i Asyria. DH: "ho petehiko toy ny fampirehetana afo mba handoro ny zavatra rehetra ireharehany ny fahalebiazany"
Ny teny hoe "fahazavan'Israely" dia manondro an'i Yaveh. Tsy mazava raha Yaveh na Isaia no miteny eto. DH: "Izaho, Yaveh, fahazavan'Israely, dia ho tonga tahaka ny afo"
Ny "afo" dia manamafy ny herin'i Yaveh hamotika ny zava-drehetra izay tsy manome haja Azy.
"Izaho, Yaveh, ilay Iray Masin'Israely, dia ho tonga tahaka ny lela afo." Jereo ny nandikanao ny "Iray Masina" ao amin'ny amin'ny 1:4.
"Io afo io dia handoro sy handevona ny tsilon'ny mpanjakan'i Asyria." Ampitahain'ny mpiteny amin'ny tsilo ny mpanjakan'i Asyria. Izany dia manamafy ny famotehan'Andriamanitra azy ireo mora foana. DH: "Handringana ny Asyriana tahaka ny afo mandoro tsilo aho"
Ny teny hoe "tsilo" dia ilazana zava-maniry feno tsilo sady tsy misy ilana azy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 7:23.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Haripak'i Yaveh ireo ala be sy ireo tany fambolena eo amin'ny firenen'i Asyria" na 2) "haripak'i Yaveh ny tafik'i Asyria, tahaka ny fandoran'ny afo ny ala be sy ny tany fambolena"
Ireo mety ho heviny dia 1) manindry izany fa haripakí Yaveh tanteraka ny ala sy ny tany fambolena. DH: "tanteraka" na 2) midika izany fa haripak'Andriamanitra tanteraka ny vahoakan'i Asyria. Ny Andian-teny hoe "fanahin'izany sy ny vatan'izany" dia ilazana ny lafiny ara-panahy sy ara-batan'ny olona.
Io dia mampitaha ny ala sy ny tany fambolen'i Asyria na ny tafik'i Asyria amin'ny olona marary efa ho faty eo am-pandriana. Izany dia manamafy ny fahafahan'ny zavatra iray izay lehibe ho osa ka maty. DH: "ho tahaka ny olona marary izay miha-osa ka maty izy ireo"
"Ho vitsy ireo sisa tavela amin'ireo hazon'ny alan'ny mpanjaka"
Io dia manondro ny fotoana izay hanaovan'Andriamanitra ireo zavatra voafaritra ao amin'ny 10:15. DH: "Amin'izany fotoana izany"
Azo atao mazava ny dikany. DH: "izay nitsoaka avy tamin'ny tafik'i Asyria"
"tsy hiantehitra amin'ny mpanjakan'i Asyria intsony, izay nanisy ratsy azy ireo"
Adikao araka ny ao amin'ny 1:4.
Ny mety ho fandikana izany dia 1) Miresaka amin'Isaia Andriamanitra ary ny mpisolo-tena tampisaka "-nao" dia manondro an'Isaia. DH: "Israely olonao dia" na 2) Miresaka amin'ny firenen'Israely i Isaia na Andriamanitra ary ny ny mpisolo-tena tampisaka "-nao" dia manondro ilay firenena. DH: "ny olonao, Oh ry Israely, dia"
Manamafy izany fa maro ny vahoakan'Israely teo. DH: "tsy tambo isaina, tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina"
DH: "Efa nanendry Yaveh fa handringana ny ankamaroan'ireo izay monina ao Israely"
Azo atao fehezanteny vaovao io. DH: 'Tsy maintsy hatao ho an'ny fahamarinana tanteraka izany" na "Tsy maintsy hataon'i Yaveh izay satria marina tanteraka Izy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hamotika ny zava-drehetra eo amin'ny tany araka ny nahatapaka ny heviny" na 2) "hamotika ny vahoakan'ny tany araka ny nahatapa-kevitra Azy."
"tapa-kevitra"
Ataon'i Yaveh toy ny hoe olona iray ihany ny mpanjakan'i Asyria sy ny tafiny. DH: "ny mpanjakan'i Asyria sy ny tafiny"
Ny teny hoe "izy" dia manondro ny "Asyriana" ary ilazana ny mpanjakan'i Asyria sy ny tafiny. Ny teny hoe "tsorakazo" sy "tehina" dia ilazana ny tapa-kazo izay ampiasain'ny olona ho karavasy hikapohana biby na olona hafa. Ny fomba fanapahan'ny Asyriana eo amin'ireo Israelita dia resahin'Isaia toy ny hoe mikapoka ireo Israelita amin'ny karavasy izy ireo. DH: "Hanapaka eo aminareo ny Asyriana ary hanandevo anareo"
Azo atao mazava ny hevitra fenon'io fanambarana io. DH: "tahaka ny nanapahan'ny Egyptiana teo amin'ireo razanareo ka nanaovany azy ireo ho andevo"
Ny teny hoe "faharavany" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "ho potehiko izy satria tezitra aminy aho"
Adikao araka ny ao amin'ny 1:9.
"hikapoka ny Asyriana amin'ny karavasy." Tsy tena hampiasa karavasy Andriamanitra. Entina ilazana ny fahefan'Andriamanitra hanafay ny Asyriana amin'ny fomba henjana izany. DH: "hanafay ny Asyriana amin'ny fomba henjana toy ny amin'ny karavasy"
Etina ilazana ny fotoana izay nanampian'Andriamanitra ny olona iray antsoina hoe Gideona mba handresy ny tafika Midiana izany.
Io dia entina ilazana ny nataon'Andriamanitra mba hahatonga ny ranon'ny Ranomasina Mena hisaraka mba hahafahan'ny vahoakan'Israely mandositra ny Egyptiana ka nahatonga ny Egyptiana ho safotra tao anatin'izany. DH: "Hanampy anareo handositra ny tafik'i Asyria tahaka ny nanampiany ny razanareo handositra ny tafik'i Egypta Izy"
"hanala ny vesatra izay nataon'ny Asyria teo amin'ny sorokao Yaveh, ary hanala ny zioga izay napetrak'izy ireo teo amin'ny vozonao." Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Ny teny hoe "vesatra" sy "zioga" dia entina ilazana ny fanandevozana. DH: "Ho esorin'i Yaveh ireo Asyriana izay mampahory anareo ary hatsahany amin'ny fanandevozana anareo"
Io fiteny io dia manolo-kevitra fa ny tendan'ny biby izay misy zioga dia hanjary hatavy loatra ka tsy ho omby an'ilay zioga intsony. Io dia sarin-teny ilazana an'Israely tonga matanjaka tokoa hany ka tsy afaka manapaka azy ireo intsony ny Asyriana. DH: "hanjary hatavy tokoa ny vozonareo hany ka hanapaka ilay zioga" na "ho tonga matanjaka tokoa ianareo hany ka tsy ho andevon'ny Asyriana intsony"
Resahin'Isaia toy ny hoe efa nitranga sahady ireo tranga ho avy ireo.
Ireo rehetra ireo dia tanàna sy vohitra akaikin'i Jerosalema izay nandalovan'ny tafik'i Asyria ka nitondrany fikorontanana.
"Nandositra ny vahoakan'i Rama sy ny vahoakan'i Gibean'i Saoly"
Ny teny ho "zanaka vavy" eto dia ilazana ny olona izay monina ao amin'ilay tanàna. DH: "Galima" na "vahoakan'i Galima"
Ireo rehetra ireo dia tanàna sy vohitra akaikin'i Jerosalema izay nandalovan'ny tafik'i Asyria ka nitondrany tahotra teo amin'ny vahoaka. Ireo rehetra ireo dia manondro ny olona izay monina ao amin'ireo toerana ireo.
Eto ny hoe "izy" dia manondro ny mpanjakan'i Asyria sy ny miaramilany. Mamokona ny totohondriny amin'ny olona izay ampitahoriny ny olona. DH: "hijanona ao Noba ny tafik'i Asyria ary hampitahotra"
Ny teny hoe "tendrombohitra" sy "havoana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona izay monina ao amin'izany. DH: "ny vahoakan'ny Tendrombohitr'i Ziona sy ireo olona monina eo amin'ny havoan'i Jerosalema." Ny teny hoe "tendrombohitry ny zanaka vavin'i Ziona" dia saika mitovy hevitra amin'ny teny hoe "havoan'i Jerosalema" ihany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:14.
Io dia azo atao hoe "Jereo" na "Mihainoa" na "Tandremo tsara izay ho lazaiko aminareo."
Adikao araka ny ao amin'ny 1:9.
Ny tafik'i Asyria dia resahina toy ny hoe hazo avon'i Libanona. Ho potehin'Andriamanitra tahaka ny fikapan'ny olona ny hazo mafin'i Libanona ny tafika. Izany dia manamafy fa na dia matanjaka ary ny tafika, dia manana ny hery hamotehana izany Andriamanitra.
"hanapaka ny sampana lehiben'ireo hazo." Mba hampazava tsara fa manondro ny tafik'i Asyria izany, dia azonao atao ny mandika izany ho fampitahana mivantana: Ho potehiny toy ny fikapan'ny olona sampan-kazo lehibe ny tafik'i Asyria.
Io dia azo averina arafitra mba ho lasa matoanteny "mamoaka feo" ny teny hoe "fidobohana." DH: "ary hianjera amin'ny tany ireo sampany ka hamoaka feo mampivarahontsana" na "ary hianjera amin'ny tany amin'ny feo mafy dia mafy ireo sampana"
DH: "hikapa ireo hazo lava indrindra izy"
Io dia sarinteny ilazana ny "miaramila matanjaka indrindra."
DH: "hampietry ny olona ambony izy"
"ireo mpirehareha"
"ireo kirihitra mikitroka anaty ala." Mety ho sarinteny ilazana ny olona izay tsy dia fantatra io.
"ny alan'i Libanona dia tsy ho lehibe intsony." Mety ho sarinteny ilazana ny tafika Asyriana io. DH: "Ho resen'i Yaveh ny tafik'i Asyria, amin'ny fahatanjahany"
1 Hisy sampany hitsimoka avy amin'ny fototr'i Jese, ary hisy rantsana avy amin'ny fakany hitondra voany. 2 Hitoetra ao aminy ny Fanahin'i Yaveh, ilay fanahin'ny fahendrena sy fahazavan-tsaina, ilay fanahin'ny fampianarana sy hery, ilay fanahin'ny fahalalana sy tahotra an'i Yaveh. 3 Ny sitrany no ho tahotra ny Tompo; tsy ho tsaraina amin'izay hitan'ny masony izy, na hanapa-kevitra amin'izay ren'ny sofiny. 4 Fa kosa, hitsara ny mahantra amin'ny fahamarinana izy ary hanapa-kevitra ara-drariny amin'ny mpanetry tenan'ny tany. Hamely ny tany amin'ny tsora-kazon'ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin'ny fofon'ain'ny molony. 5 Ny fahamarinana no ho fehin-kibon'ny andilany, ary fahatokiana no fehin-kibo mihodidina ny valahany. 6 Ary ny amboadia hiara-hiaina amin'ny zanak'ondry, ary ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy, zanak'omby, ny liona tanora ary ny ombikely hatavezina. Zazakely no hitarika azy ireo. 7 Ny ombivavy sy ny bera dia hiara-hiraoka, ary ny zanak'izy ireo hiara-mandry. Ny liona dia hihinana mololo tahaka ny omby. 8 Hilalao eo an-davaky ny menarana ny zaza, ary ny zaza nisara-nono hametraka ny tanany eo an-davaky ny bibilava. 9 Tsy handratra na handrava eny amin'ny tendrombohitro masina rehetra izy ireo; satria ho feno fahalalana an'i Yaveh ny tany, toy ny rano mandrakotra ny ranomasina. 10 Amin'izany andro izany, dia hitsangana toy ny faneva ho an'ny vahoaka ny fototr'i Jese. Hitady azy ireo firenena ary ho be voninahitra ny toerana fitsaharany. 11 Amin'izany andro izany, dia hanitatra ny tanany indray ny Tompo mba handrakotra ireo sisa amin'ny vahoakany izay mitoetra any Asyria, Egypta, Patrosa, Kosa, Elama, Sinara, Hamata, ary ireo nosin'ny ranomasina. 12 Hametraka faneva ho an'ireo firenena Izy ary hanangona ireo voaroakan'Israely sy ireo voaelin'i Joda avy any amin'ny zorony efatry ny tany. 13 Hamadika ny fanirian'i Efraima Izy, ary ho fongorana ny fankahalan'i Joda. Tsy haniry an'i Joda ny Efraima, ary Joda tsy hankahala an'i Efraima intsony. 14 Fa hidina hanafika any amin'ny havoan'ny Filistina any avaratra kosa izy ireo, ary hiara-hambabo ny vahoaka any antsinanana. Hanafika an'i Edoma sy Moaba izy ireo, ary hankatoa azy ireo ny vahoakan'i Amona. 15 Hamotika tanteraka any sakeli-dRanomasin'i Egypta i Yaveh. Miaraka amin'ny rivony mahamay dia hanofahofa ny tanany eo amin'ny Ony Eofrata Izy ary hanasaraka izany ho sampana fito, ka afaka hiampitana miaraka amin'ny kapa izany. 16 Hisy lalam-be ho an'ny sisa amin'ny vahoakany izay miverina avy any Asyria, toy ny nisian'izany ho an'Israely tamin'ny niakaran'izy ireo avy any amin'ny tany Egypta.
Jese sy ny taranany dia resahin'Isaia toy ny hoe hazo izay notapahina. Ireo andian-teny ireo dia samy miresaka momba ny taranak'i Jese izay ho mpanjaka. DH: "Tahaka ny solofo izay mitsimoka amin'ny foto-kazo, toy izany koa dia hisy taranak'i Jese ho tonga mpanjaka eo amin'izay sisan'Israely"
Ny fototra eto dia izay tavela amin'ny hazo rehefa avy nokapaina. Ny "fototr'i Jese" dia entina ilazana izay tavela amin'ny fanjakan'i Davida zanak'i Jese izay nahampanjaka azy.
Ny fitoerana eo aminy dia maneho ny fiarahana aminy sy fanampiana azy. Ny teny hoe "aminy" dia manondro ilay iray izay ho tonga mpanjaka.
Eto ny teny hoe "fanahy" dia entina ilazana ny fahafahana na ny zavatra tsara izay homen'ny Fanahin'i Yaveh azy. DH: "ary hahatonga azy hanana fahendrena, fianarana sy hery, fahalalana ary tahotra an'i Yaveh izy"
Manohy mamaritra ilay mpanjaka Isaia.
Ny andian-teny hoe "izay hitan'ny masony" dia entina ilazana ny fahitana zavatra izay tsy dia lehibe ka hitsarana ny olona araka ny marina. DH: "tsy hitsara ny olona amin'ny fahitana ny endrik'ilay olona fotsiny izy"
"ary tsy hanapa-kevitra araka izay ren'ny sofiny." Ny andian-teny hoe "izay ren'ny sofiny" dia entina ilazana ny fandrenesana izay lazain'ny olona momba ny olona iray. DH: "ary tsy hitsara ny olona amin'ny fahenoana izay lazain'ny hafa momba azy fotsiny izy"
Ireo teny ireo dia ilazana ireo izay manana ireo toetra ireo. DH: "ireo olona mahantra ... ireo olona mpanetry tenan'ny ... ireo olona ratsy fanahy
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo.
Ny teny hoe "tany" eto dia maneho ny olona eto an-tany. Ny famelezana azy ireo amin'ny tsorakazon'ny vavany dia entina ilazana ny fitsarana azy ireo, ary izany fitsarana izany dia hitondra amin'ny famaizana. DH: "Hitsara azy ny vahoakan'ny tany izy, ary ho faizina izy ireo"
Ny "fofon'ain'ny molony" dia entina ilazana ny fitsarany azy ireo. DH: "hitsara ny ratsy fanahy izy, ary ho faty izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny fehinkibo dia ampiasaina mba hamehezana ny akanjon'ny olona iray mba hahafahany miasa, na 2) ny fehinkibo dia atin'akanjo, na 3) ny fehinkibo dia samboady izay anaovan'ny mpanjaka mba hampisehoana ny fahefany.
Ny fitafiana fahamarinana tahaka ny fehinkibo dia ilazana ny maha-marina ny olona iray. Ireo mety ho heviny dia 1) ny fahamarinan'ny mpanjaka no hahatonga azy hanjaka. DH: "Ny fahamarinany dia ho tahaka ny fehinkibo manodidina ny valahany" na 2) ny fahamarinan'ny mpanjaka no hampiseho ny fahefany hanapaka. DH: "Hanapaka amin'ny fahamarinana izy"
DH: "ny fahatokiana no ho fehinkibo manodidina ny valahany"
Ny fitafiana ny fahatokiana tahaka ny fehinkibo dia ilazana ny olona mahatoky. Ireo mety ho heviny dia 1) Ny fahatokian'ny mpanjaka no hampanjaka azy, na 2) Ny fahatokian'ny mpanjaka no hampiseho ny fahefany hanapaka. DH: "ny fahatokiana dia ho tahaka ny fehinkibo manodidina ny valahany" na "hanapaka amin'ny fahatokiana izy"
Faritan'Isaia hoe ho toy ny ahoana izao tontolo izao rehefa manjaka ny mpanjaka. Hisy filaminana tanteraka eto amin'izao tontolo izao. Ho hita amin'ny filaminana na eo amin'ny biby aza izany. Ny biby izay mamono ny biby hafa raha ny tokony ho izy dia tsy hamono azy ireo, ary hiara-hilamina izy ireo.
Ireo teny ireo dia ilazana ny biby amin'ny ankapobeny, fa tsy ambodia na leoparda manokana akory. Ireo rehetra ireo dia biby matanjaka izay mamely ary mihinana biby hafa. DH: "ireo amboadia ... leoparda ... leoparda ... ny bera ... ireo liona"
Ireo teny ireo dia ilazana ireo biby ireo amin'ny ankapobeny, fa tsy zanak'ondry na osy manokana akory. Ireo dia biby mihinana vilona sy mololo. Indraindray ireo biby hafa dia manafika ary mihinana ireo. DH: "ireo zanak'ondry ... ireo zanak'osy ... ireo zanak'omby mifahy ... ireo ombivavy ... ireo omby"
saka goavana mavo volo misy tsipitsipika mainty ary mihinana biby hafa
DH: "hiaraka ny ombivavy, ny liona, sy ny zanak'omby mifahy"
biby goavam-be misy volo matevina sy hoho maranitra izay mamono sy mihinana biby hafa
Ankizy kely no hikarakara ireo ary hitarika ireo any amin'ny toerana tsara mba hisotro rano sy hihinam-bilona na ahitra.
"hiara-hihinam-bilona"
Io dia entina ilazana ny taranak'ireo biby aoriana kelin'ny ahaterahan'izy ireo.
Tohizan'Isaia ny famaritana hoe ho toy ny ahoana izao tontolo izao rehefa manjaka ny mpanjaka.
Azo ambara mazava fa tsy haninona ilay zaza satry tsy hanaikitra azy ilay bibilava. DH: "Hilalao am-pilaminana eo amin'ny lavaky ny bibilava ny zaza"
Ireo teny ireo dia ilazana ny bibilava misy poisina amin'ny ankapobeny. DH: "ireo menarana ... eo an-davaky ny bibilava"
zaza izay tsy misotro ny rononon-dreniny intsony
Ny "tendrombohitro masina" dia ny Tendrombohitr'i Ziona, ao Jerosalema. DH: "tendrombohitra masin'i Yaveh"
Ny andian-teny hoe "fahalalana an'i Yaveh" dia maneho ireo olona izay mahalala an'i Yaveh. DH: "ho fenon'ireo izay mahalala an'i Yaveh ny tany" na "ireo izay mahalala an'i Yaveh dia handrakotra ny tany"
Io andian-teny io dia ampiasaina hampisehoana ny ho fahafenoan'ny tany olona izay mahalala an'i Yaveh. Mety hazava kokoa fa izany no izy raha mitovy amin'ny teny eo aloha ny teny ao amin'izany. DH: "toy ny ranomasina izay feno rano"
Io dia manondro ny taranak'i Jese sy Davida mpanjaka izay ho tonga mpanjaka noresahana tao aminy 11:1. DH: "ilay mpanjaka taranak'i Jese" na "ilay mpanjaka avy amin'ny taranak'i Jese''
Ny faneva dia saina izay hatsangan'ny mpanjaka ho famantarana hahitan'ny olona izany ka hankanesany eo aminy. DH: "ho tahaka ny famantarana ho an'ny vahoaka" na "hisarika ny olona ho avy eo aminy"
"Ny vahoakan'ireo firenena"
Ny tanana eto dia ilazana ny herin'Andriamanitra. DH: "dia hampiasa ny heriny indray ny Tompo mba hamerenana ireo sisa tavela amin'ny vahoakany"
Anaran-toerana ireo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hametraka ny mpanjaka ho faneva ho an'ireo firenena ny Tompo" na 2) "Hametraka faneva ho an'ireo firenena ny mpanjaka."
"faneva ho hitan'ireo firenena" na "faneva hiantsoana ireo firenena mba hankeo aminy"
"ireo vahoakan'i Joda izay niparitaka manerana izao tontolo izao"
Ny tany eto dia atao kisarisary toy ny hoe misy zorony efatra, ary ireo zorony ireo no toerana lavitra indrindra. Io dia ilazana ny toerana rehetra eto an-tany izay mety hisy an'ireo olona ireo. DH: "na dia avy any amin'ny toerana lavitra indrindra eto an-tany aza" na "manerana ny tany"
Eto Efraima dia manondro ny taranaky ny fanjakana tavaratr'Israely. Ny teny hoe "fialonana" dia azo atao mpamari-toetra. DH: "Hampitsahatra ny vahoakan'i Efraima tsy ho mpialona Izy"
Eto Joda dia manondro ny taranaky ny fanjakana tatsimon'Israely. DH: "hampitsahatra ny vahoakan'i Joda tsy ho mpandrafy izy" na "hampitsahatra ny vahoakan'i Joda tsy hankahala Izy"
Ny vahoakan'Israely sy Joda dia atao kisarisary toy ny hoe vorona izay misidina ambany faingana mba hamely olona na biby. DH: "handeha faingana ho any amin'ireo Filistina mba hanafika ny olona any izy ireo''
Ny "sakeli-dRanomasina" dia faritra rano izay hodidinin'ny tany amin'ny ampahany kely.
Ny fanofahofana ny tanana amin'ny zavatra iray dia ilazana ny heriny hanova izany. DH: "Amin'ny heriny no handefasany rivo-mahamay hitsoka eo amin'ny Onin'i Eofrata"
Io dia rivotra mahery sy mahamay izay mahatonga ny rano sasany ho ritra.
"mba hahafahan'ny olona miampita amin'izany na dia manao kapa aza"
Ny lalam-be dia lalana izay azon'ny olona maro andehanana. "Hanao lalana Yaveh"
"fony niakatra avy tany amin'ny tany Egypta izy ireo"
1 Amin'izany andro izany dia hilaza ianao hoe: "Hanatitra fisaorana ho Anao aho, ry Yaveh. Fa na tezitra tamiko aza Ianao, dia niodina ny fahatezeranao, ary nankahery ahy Ianao. 2 Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; hatoky aho ary tsy hatahotra, fa Yaveh, eny, Yaveh no heriko sy hirako. Izy no tonga famonjena ahy." 3 Amin-kafaliana no hisintomanao rano avy amin'ny loharanon'ny famonjena. 4 Amin'izany andro izany no hilazanao hoe: "Manatera fisaorana ho an'i Yaveh ary miantsoa ny Anarany; ambarao amin'ny olona ireo asany, ambarao fa nasandratra ny Anarany." 5 Mihirà ho an'i Yaveh, fa nanao zavatra be voninahitra Izy, aoka ho fantatra manerana ny tany izany. 6 Miantsoa mafy ary mihiakiaha fifaliana, ianao ry mponin'i Ziona, fa lehibe eo afovoanao ny Iray Masin'Israely."
Eto Isaia dia manohy mamaritra hoe ho toy ny ahoana rehefa manjaka ilay mpanjaka izay nofidian'Andriamanitra. (Jereo ny 11:1)
Azo atao mazava ny fotoana izay resahina eto. DH: "Amin'izany fotoana izany" na "Rehefa manjaka ilay mpanjaka"
Ny fahatezeran'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe olona izay avaka mivily ka mandao. Midika izany fa nitsahatra tamin'ny fahatezerany Andriamanitra. DH: "Tsy tezitra amiko intsony Ianao"
Ny ataon'Andriamanitra mba hahatonga ny famonjena ny olona iray dia resahina toy ny hoe Andriamanitra ilay famonjena io. Ny teny hoe "famonjena" dia azo ambara amin'ny anarana hoe "mpamonjy" na amin'ny matoanteny "mamonjy." DH: "Andriamanitra no mahatonga ny famonjena ahy" na "Andriamanitra no mpamonjy ahy" na "Andriamanitra no mamonjy ahy"
Ny ataon'Andriamanitra mba hampahery ny olona iray dioa resahina toy ny hoe Andriamanitra no herin'izy ireo. DH: "Mampahery ahy Yaveh"
Ny teny hoe "hirako" eto dia entina ilazana izay hirain'ny olona. DH: "sy ilay hiraiko am-pifaliana"
"Namonjy ahy Izy"
Ny olona vonjena dia resahin'Isaia toy ny hoe mahazo famonjena toy ny amin'ny fomba hahazoan'ny olona rano avy ao am-pantsakana. DH: "hifaly ianao rehefa mamonjy anao Izy, tahaka ny fifalian'ny olona rehefa manovo ravo avy ao am-pantsakana"
Eto ny hoe "Anarany" dia manondro an'i Yaveh. Ny fiantsoana Azy dia ilazana ny ny fiderana Azy na ny fangatahana fanampiana aminy. DH: "derao mafy Izy" na "miantsoa Azy mba hanampy anao"
Ny teny hoe "asa" dia azo adika amin'ny andian-teny hoe "izay nataony." DH: "Ambarao amin'ny olona ireo zava-tsoa nataony"
Eto ny "Anarany" dia manondro an'i Yaveh. DH: "ambarao fa efa nasandratra Izy" na "ambarao fa lehibe Izy"
Manohy milaza izay ho lazain'ny olona rehefa manjaka ny mpanjaka Isaia.
"satria ilay Iray Masin'Israely, izay mitoetra eo aminareo, dia mahery" na "satria ilay Iray Masin'Israely dia mahery ary mitoetra eo aminareo"
1 Fanambarana mahakasika an'i Babylona, izay voarain'i Isaia zanaka lahin'i Amoza: 2 Manangàna faneva any an-tendrombohitra mangadihady, mihikiaha mafy amin'izy ireo, ahofahofay amin'izy ireo ny tananareo mba hidirany amin'ny vavahadin'ireo andriana. 3 Efa nandidy ireo masiko Aho, eny efa niantso ny maheriko mba hanatanteraka ny fahatezerako, eny na dia ireo mibitaka am-pireharehana aza. 4 Ny horakoraky ny maro an'isa any an-tendrombohitra, dia tahaka ny vahoaka marobe! Ny tabataban'ny fanjakana tahaka ireo firenena maro tafatambatra! Yaveh tompon'ny maro no mampahery ny tafika amin'ny ady. 5 Avy any amin'ny firenena lavitra izy ireo, avy any amin'ny faravodilanitra. Yaveh sy ireo fitaovana fitsarany, mba handravana ny tany manontolo. 6 Midradradradrà, fa efa antomotra ny andron'i Yaveh; ho avy miaraka amin'ny fahapotehana avy amin'ilay Tsitoha izany. 7 Noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra ary ho onena ny fo. 8 Hihorohoro izy ireo; ho azon'ny fanaintainana sy fahoriana izy ireo, tahaka ny vehivavy miteraka. Samy ho talanjona amin'izy samy izy ireo; ary hirehitra ireo tavany. 9 Indro, tonga amin'ny fahavinirana lozabe sy fahatezerana manafotra ny andron'i Yaveh, mba hahatonga ny tany ho lao sy hamotika ireo mpanota avy ao amin'izany. 10 Ireo kintan'ny lanitra sy ireo telonohorefy dia tsy hanome ny hazavany. Ny masoandro dia ho mazina amin'ny fiposahany, ary tsy hamiratra ny volana. 11 Hanasazy izao tontolo izao noho'ny faharatsiany ary ireo ratsy fanahy nohon'ny helok'izy ireo Aho. Hampitsahatra ny fiavonavon'ireo mpirehareha sy hanafoana ny fiavonavon'ny masiaka Aho. 12 Hataoko mahalana noho ny volamena voadio ny olona ary ny olombelona ho saro-tadiavina noho ny volamena tsy mifangaron'i Ofira. 13 Noho izany dia hataoko mihovitrovitra amin'ny alalan'i Yaveh tompon'ny maro, sy amin'ny androm-pahatezerany lehibe ny lanitra, ary hataoko miozongozona eo amin'ny toerany ny tany. 14 Tahaka ny gazela voahaza na tahaka ny ondry tsy misy mpiandry, no hiverenan'ny olona tsirairay amin'ny vahoakany ary handosirany any amin'ny taniny. 15 Izay rehetra hita dia ho faty avokoa, ary izay rehetra tratra dia ho fatin'ny sabatra. 16 Ny zaza madinik'izy ireo dia hotorotoroina eo imasony. Ny tranon'izy ireo dia ho baboina ary ireo vadiny ho voasavika. 17 Indro, mamporisika ireo Mediana mba hanafika azy ireo Aho, izay tsy ho voakasiky ny volafotsy, na hankamamy ny volamena. 18 Ny tsipìkan'izy ireo handefona ireo zatovony. Tsy hanana antra amin'ny zaza sy tsy hamindra fo amin'ny ankizy izy ireo. 19 Ary Babylona, ilay mendri-piderana indrindra amin'ireo fanjakana, ilay famirapiratan'ny reharehan'ny Kaldeana, dia horavana tahaka an'i Sodoma sy Gomora. 20 Tsy honenana na hitoerana izany hatramin'ny taranaka fara-mandimby. Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na hisy mpiandry ondry hampandry ny ondriny any. 21 Fa ireo bibidian'ny efitra no hitoetra any. Ho feno vorondolo ny tranon'izy ireo; ary ostrisa sy osilahy no hifalihavanja ao. 22 Hierona ao anaty fiarovany ny kary, ary ny amboadia ao amin'ireo toerana mahafinaritra. Antomotra ny fotoanany, ary ireo androny dia tsy ho tara.
Io anaran-tanàna dia ilazana ny vahoakan'i Babylona. DH: "mahakasika ny vahoakan'i Babylona"
Amoza no rain'Isaia. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 1:1.
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo miaramila avy amin'ny firene-kafa.
Ireo mety ho heviny dia 1) "vavahadin'i Babylona izay itoeran'ireo manan-kaja" na 2) "ny vavahadin'ny tranon'ireo manan-kaja"
"ireo olona hajaona" na "ireo mpanapaka"
"ireo izay natokako ho an'ny tenako" na "ny tafika izay natokako ho an'ny tenako"
Ny fanatanterahana ny fahatezeran'Andriamanitra dia entina ilazana ny famaizana ny olona nohon'ny fahatezeran'Andriamanitra. DH: "Efa niantso ireo miaramila maheriko Aho mba hanafay ny vahoakan'i Babylona satria nahatezitra Azy izy ireo"
Ny antony hireharehan'izy ireo dia azo atao mazava. DH: "na ireo oloko izay mibitaka am-pireharehana nohon'ny amin'ireo zavatra lehibe izay ataoko aza"
Ny teny hoe "misy" eto dia efa azo. Ny teny hoe "maro an'isa" sy "vahoaka maro be" dia mitovy hevitra ihany. DH: "Misy tabataban'olona maro any an-tendrombohitra" na "Misy feom-bahoaka be anay an-tendrombohitra"
Ny teny hoe "misy" eto dia efa azo. Ny teny hoe "fanjakana" sy "firenena" eto dia ilazana zavatra mitovy. DH: "Misy kotaban'ny fanjakana maro miara-miangona izany"
"mampiangona"
"avy any amin'ny toerana ankoatran'ny faravodilanitra" na "avy any amin'ny toerana lavitra dia lavitra"
Ny miaramila izay alefan'Andriamanitra hanafika an'i Babylona dia resahina toy ny hoe fiadiana. Ny "fitsarana" dia entina ilazana ny famaizana satria efa nitsara an'i Babylona Andriamanitra. DH: "ny tafika izay hampiasainy hamaizana an'i Babylona"
"Miantsoantsoa mafy"
Ny zavatra iray izay efa hitranga tsy ho ela dia resahina toy ny hoe efa antomotra. DH: "hiseho tsy ho ela ny andron'i Yaveh"
Ny teny hoe "izany" dia manondro ny andron'i Yaveh. Ny hoe "ho avy miaraka amin'ny fahapotehana" dia midika fa amin'izany andro izany no hitranga ny fahapotehana. Ny hoe "fahapotehana avy amin'ilay Tsitoha" dia midika fa handripaka azy ireo ilay Tsitoha. DH: "amin'izany andro izany, ny Andriamanitra Tsitoha dia hamotika azy ireo"
Io dia mampiseho fa osa tokoa ny olona rehetra ka tsy afaka manao na inona na inona.
Ny olona matahotra mafy dia resahina toy ny hoe mivalaketraka ny fony. DH: "hatahotra mady ny olona rehetra"
Ny olona mahatsapa fanaintainana sy alahelo tsy laitra tampoka dia resahina toy ny hoe olona izay misambotra azy ireo ny fanaintainana sy ny alahelo. DH: "hahatsapa fanaintainana sy fangirifiriana tsy laitra tampoka izy ireo"
DH: "tahaka ny vehivavy miteraka zazakely" na "tahaka ny fanaintainan'ny vehivavy miteraka zazakely"
Ny tarehin'izy ireo izay mahamay sy mivoaramena dia resahina toy ny hoe mirehitra. Ny mety ho antony mampahamay ny tarehiny dia 1) matahotra mafy ny olona, na 2) menatra ny olona, na 3) mitomany ny olona. DH: "hamay sy hivoaramena ny tavan'izy ireo"
Ny Ny andro ho avy amin'ny fahatezerana sy fahavinirana dia midika fa hisy fahatezerana sy fahavinirana amin'izany andro izany. Ny teny hoe "fahatezerana sy fahavinirana" dia azo ambara amin'ny mpamari-toetra "vinitra" sy "tezitra." DH: "amin'ny andron'i Yaveh, dia ho vinitra sy ho tezitra mafy Izy"
Ny hatezerana dia resahina toy ny hoe fitoeran-javatra feno fahatezerana ilay olona tezitra. Ny fahatezerana manafotra dia midika hoe tezitra mafy.
Io dia azo averina arafitra mba ho azo ambara amin'ny matoanteny "mandrava" ny teny hoe "lao." DH: "handravarava ny tany"
"Ireo kintana eny an-danitra"
Ny fanomezana hazavana dia meneho ny "famirapiratana." DH: "tsy hamiratra"
DH: "Hamaizinin'Andriamanitra ny masoandro"
Manohy miresaka momba izay hataony amin'ny andron'i Yaveh Izy.
Entina ilazana ny "olon'izao tontolo izao" io.
Ireo teny ireo dia ilazana ireo olona manana ireo toetra ireo. DH: "olona ratsy fanahy ... olona mpirehareha ... olona masiaka"
"olona lozabe"
Ny fampihetrena ny fiavonavonan'ny olona dia ilazana ny fampihetrena azy ireo. DH: "hampihetry ny masiaka"
Ny antony hahavitsy kely ny olona dia azo atao mazava. DH: "Hahafaty olona maro tokoa aho hany ka ho vitsy noho ny volamena voadio ny olona velona"
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo.
Ofira dia anaran-toerana izay nisy volamena tsy mifangaro.
Miresaka hatrany Yaveh.
"Tahaka ny gazela izay mandositra faingana rehefa mihaza azy ny olona, ary tahaka ny ondry izay tsy misy mpiandry ka mandositra ny bibidia"
biby mitovitovy amin'ny diera. Hazain'ny olona ireo, ary indraindray ny bibidia dia manafika ka mamono azy.
Ny ondry izay tsy misy mpiandry dia tsy manana na iza na iza hiaro azy amin'ny bibidia izay manafika sy mamono azy ireo.
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. DH: "Ho vonoin'ny fahavalo amin'ny sabatra ireo rehetra hitany"
DH: "Ho torotoroin'ny fahavalo ihany koa ny zaza madinik'izy ireo" na "Ho kapokapohin'ny fahavalo mandra-pahafaty azy ireo ihany koa ny zaza madinik'izy ireo"
Ny hoe "eo imasony" dia midika hoe "eo anatrehany" na "raha mbola mijery izy ireo." Azo atao mazava fa tsy afaka manampy ny zaza madinik'izy ireo ny ray aman-dreny amin'io. DH: "rehefa tsy afa-manoatra mijery azy ireo ny ray aman-dreniny"
Midika izany fa hangalarina avy ao an-tranony ireo zava-tsarobidy rehetra. DH: "Handroba ny tranon'izy ireo ny fahavalo" na "Hangalatra ny zava-tsarobidy rehetra avy ao an-tranon'ny olona ny fahavalo"
Midika izany fa hanafika ireo vehivavy ny fahavalo ka hanery azy ireo hanao firaisana ara-nofo aminy. DH: "haolan'ny fahavalo ny vadin'izy ireo."
Miresaka hatrany Yaveh.
Ny fisarihana ny olona hanao zavatra dia resahina toy ny hoe mamporisika azy ireo. DH: "Hataoko te hanafika anareo ny Mediana"
Miresaka hatrany Yaveh.
DH: "ny fanjakana izay derain'ny olona indrindra"
Ny teny hoe "rehareha" dia azo adika amin'ny mpamari-toetra "mirehareha." DH: "ny tanàna tsara tarehy izay mampirehareha ny Kaldeana"
"ho potehina"
"tahaka ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora." Jereo ny nandikanao ireo anara-tanàna ireo ao amin'ny 1:9.
Ireo matoanteny roa ireo dia mitovy hevitra ihany. DH: "Tsy hisy hipetraka ao"
Ny andian-teny hoe "taranaka fara-mandimby" dia ilazana ny taranak'olona izay ho velona amin'ny ho avy. DH: "mandrakizay"
Ny Arabo dia ilazana ny olona amin'ny ankapobeny, fa tsy olona iray. DH: "Ireo olona Arabo"
Manohy miresaka momba izay hanjo an'i Babylona Yaveh.
"hitoetra any Babylona"
"Ny tranon'ireo olona"
Ny vorondolo dia voron-dia mihaza amin'ny alina.
Ny ostritsa dia vorom-be izay mihazakazaka mafy fa tsy afa-manidina.
Ny kary dia bibidia mitovy amin'ny saka ary mihinana biby maty. Ny feo mafin'izy ireo dia tahaka ny olona mihomehy.
Ny teny hoe "hihiakiaka" dia efa azo. DH: "Ary hihiakiaka any amin'ireo lapa mahafinaritra"
amboadia
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Ny "fotoany" sy ny "androny" dia samy entina ilazana ny fotoana izay nofidian'Andriamanitra hamotehana an'i Babylona. DH: "Akaiky ny fotoana hitrangan'izany rehetra izany, ary tsy hisy hanakana azy"
1 Hangoraka an'i Jakoba Yaveh; hifidy an'Israely indray Izy ary hamerina azy ireo ao amin'ny taniny. Hikambana amin'izy ireo ny vahiny ary hampifatotra ny tenany amin'ny ankohonan'i Jakoba. 2 Hitondra azy ireo any amin'ny toerany ireo firenena. Dia hitondra azy ireo any amin'ny tanin'i Yaveh ho mpanompo lahy sy vavy ny ankohonan'Israely. Hambabo ireo izay efa nambabo azy izy ireo, ary hanapaka ireo mpampahory azy. 3 Amin'ny andro izay hanomezan'i Yaveh fitsaharana ho anareo amin'ny fijaliana sy ny fangirifiriana, sy amin'ny asa mafy izay takiana ho tanterahinareo, 4 dia hihira izao hira fanesoana ho an'ny mpanjakan'i Babylona izao ianareo hoe: "Endrey vita ny amin'ny mpampahory, tapitra ny fahavinirana mieboebo! [1]5 Efa namotika ny tehin'ny ratsy fanahy Yaveh, ny tehim-panjakan'ireo mpanapaka ireo, 6 izay mamely ny vahoaka amin'ny fahatezerana amin'ny fitsofana tsy manam-pitsaharana, izay nanapaka ireo firenena tamim-pahatezerana, tamin'ny fanafihana izay tsy nitsahatra. 7 Mitsahatra ary mandry ny tany manontolo; manomboka mankalaza amin'ny hira izy ireo. 8 Na dia ny hazo kypreso aza dia mifaly aminao mbamin'ireo sederan'i Libanona; hoy ireo: 'Koa satria nahetry ambany ianao, dia tsy nisy mpanapaka hazo niakatra mba hikapa anay.' 9 Miandry fatratra ny hitsena anao ny Fiainan-tsy hita ambany raha mankany ianao. Manangana ny maty ho anao izany, ry mpanjakan'ny tany rehetra, mampitsangana azy ireo eo amin'ny seza fiandrianany, ry mpanjakan'ny firenena rehetra. 10 Hiteny avokoa izy rehetra ary hanao aminao hoe: 'Efa tonga malemy tahaka anay ianao. Efa tonga tahaka anay ianao. 11 Efa nahidina ho any amin'ny Fiainan-tsy hita tamin'ny feom-balihinao ny voninahitrao. Miparitaka eo ambaninao ireo olitra, ary mandrakotra anao ireo kankana.' 12 Akory ny nianjeranao avy any an-danitra, ry kintan'ny andro, zanaky ny maraina! Akory ny hanapahana anao amin'ny tany, ianao izay nandresy ireo firenena! 13 Efa nilaza tao am-ponao ianao hoe: 'Hiakatra ho any an-danitra aho, hanandratra ny seza fiandrianako ambonin'ireo kintan'Andriamanitra aho, ary hipetraka eo an-tendrombohitry ny fiangonana, any amin'ny farany lavitry ny avaratra. 14 Hiakatra ambonin'ireo rahona avo aho; ataoko tahaka ny Andriamanitra Avo Indrindra ny tenako.' 15 Kanefa nahidina tany amin'ny fiainan-tsy hita ianao, tany amin'ny lalin'ny lavaka. 16 Ireo izay mahita anao dia handinika anao ka hihaino anao izy ireo. Hanao izy ireo hoe: 'Moa ity ve ilay lehilahy izay nampangovitra ny tany, izay nampihozongozona ireo fanjakana, 17 izay nanao izao tontolo izao ho tahaka ny efitra, izay nandrava ireo tanànan'izany ary tsy namela ireo gadrany hody?' 18 Ny mpanjakan'ireo firenena rehetra, izy rehetra dia mandry amim-boninahitra, ny tsirairay samy ao amin'ny fasany avy. 19 Nefa ianao dia ho esorina ao amin'ny fasanao tahaka ny ratsan-kazo nariana. Mandrakotra anao tahaka ny fitafiana ny maty, dia ireo izay notrobarana tamin-tsabatra, izay midina any amin'ireo vaton'ny lavaka. 20 Tsy ho alevina tahaka azy ireo ianao, satria efa namotika ny taninao sy namono ny vahoakanao. Ny taranaky ny mpanao ratsy dia tsy ho tononina intsony." 21 Omany ho an'ireo zanany ny famonoanao, ho an'ny helok'ireo razambeny, mba tsy hitsangana izy ireo ka haka ny tany ary hameno izao tontolo izao amin'ireo tanàna. 22 "Hitsangana hanohitra azy ireo Aho"—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. Ho foanako hiala amin'i Babylona ny anarana, ny taranaka, ary ny harena"—izany no fanambaran'i Yaveh. 23 "Hataoko ho ao amin'ny fananan'ireo vorondolo ihany koa izy, sy ao amin'ireo dobon-drano, ary hofafako amin'ny kifafan'ny fandringanana izy"—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. 24 Efa nianiana Yaveh Tompon'ny maro hoe: "Araka ny efa nokasaiko tokoa, no hitranga; ary araka izay efa nokendreko, dia izany no ho izy: 25 Ho potehiko ao amin'ny tany ireo Asyriana, ary hitsahiko amin'ny tongotra eo amin'ireo tendrombohitro izy. Dia ho esorina hiala amin'izy ireo ny ziogany ary hiala eo amin'ny hatok'izy ireo ny enta-mavesany." 26 Izany no fikasana izay nokasaina ho an'ny tany tontolo, ary izany no tanana izay nasandratra ho an'ireo firenena rehetra. 27 Fa efa nikasa izany Yaveh Tompon'ny maro; iza no hahasakana Azy? Misandratra ny tanany, ka iza no hampihemotra izany? 28 Tamin'ny taona izay nahafatesan'i Ahaza mpanjaka no nahatongavan'izao fanambarana izao hoe: 29 Aza mifaly, ianareo ry Filistina rehetra, fa tapaka ny tsora-kazo izay namely anareo. Fa avy ao amin'ny fakan'ny bibilava no hivoahan'ny menarana, ary ny haterany dia ho bibilava mirehitra manidina. 30 Hampihinana ireo ondriny eo amin'ireo fihinanam-biloko ny lahimatoan'ny mahantra, ary handry amim-pilaminana ny ory. Hovonoiko amin'ny mosary izay hamono ny sisa velona aminareo ny fakanareo. 31 Midradradradà, ry vavahady; mitomania, ry tanàna; ianareo rehetra dia hiempo avokoa, ry Filistia. Fa avy ao avaratra no hiavian'ny rahon-tsetroka, ary tsy misy miala eo an-daharany. 32 Koa ahoana ary no hamalian'ny olona ny irak'izany firenena izany? Fa hitan'i Yaveh i Ziona, ary ao aminy no hahitan'ny ory amin'ny olony fialofana.
Eto "Jakoba" dia manondro ny taranany rehetra. DH: "Hamindra fo amin'ny taranak'i Jakoba Yaveh:
Ny ankohonan'i Jakoba dia ilazana ny taranak'i Jakoba, ireo Israelita. DH: "hitambatra amin'ny taranak'i Jakoba"
"Hamerina ny taranak'i Jakoba hiverina any amin'ny tanin'Israely ireo firenena"
Izany dia manondro ny Israelita, ny taranak'Israely. DH: "ny taranak'Israely"
"Halain'ny miaramila Israelita ho babo ireo izay nambabo ny Israelita"
Ny teny "anao" dia manondro olona tokana, saingy manindro ny vahoakan'Israely io. Ary koa, ny "fijaliana sy ny fangirifiriana" dia mitovitovy hevitra ihany ary miara-ampiasaina ho fanamafisan-kevitra. DH: "amin'ireo zavatra izay nampijaly mafy anareo"
Ny teny hoe "Endrey" dia efa fantatra. DH: "tapitra ny fieboebony sy ny fahavinirany"
Ny "fahavinirana mieboebo" dia manondro ny mpanjakan'i Babylona izay mieboebo ary mitondra ny firenana hafa amin'ny toetra lozabe. DH: "tapitra ny fahalozany" na "tsy afaka mampahory olona intsony izy"
Ity dia ampahany amin'ny hira fanesoana ho hirain'ny Israelita amin'ny mpanjakan'i Babylona.
Ny tehin'ny ratsy fanahy dia mety manondro tsorakazo izay namelezan'ny olona ny hafa. Ny fanapahana izany tsorakazo izany dia maneho ny fandrodanana ny fahefan'izy ireo hitondra ny olona amin'ny toetra lozabe. DH: "Efa nopotehin'i Yaveh ny fahefan'ireo ratsy fanahy"
Ny tehim-panjakana dia maneho ny fahefan'ny mpanapaka hanjaka. Ny famotehana izany tehim-panjakana izany dia maneho ny fandrodanana ny fahefan'ilay mpanapaka. DH: "Nopetehin'i Yaveh ny fahefan'ireo mpanapaka ratsy fanahy"
Namely ny olona tamin'ny tehiny ireo olona ratsy fanahy.
"tsy mitsahatra" na "hatrany hatrany"
"izay nandresy ireo firenena hafa"
Ity dia ampahany amin'ny hira fanesoana ho hirain'ny Israelita amin'ny mpanjakan'i Babylona.
Manondro ny olona rehetra eto an-tany io. DH: "ny olona rehetra eto an-tany"
Resahin'Isaia toy ny hoe olona izay afaka mifaly ny hazo. Izany dia manamafy fa zavatra lehibe tokoa izany nampitsaharan'Andriamanitra ny mpanjakan'i Babylona izany hany ka na ny natiora aza dia mifara raha azony natao. DH: "ho toy ny hoe mifaly aminao ny hazo kypreso mbamin'ireo sederan'i Libanona"
Azo atao mazava ny antony hialian'ireo. DH: "hifaly ny amin'ny nanaovan'Andriamanitra anao tsy hanan-kery"
Ny fihetrena ambany dia maneho ny tsy fananan-kery sy fahambaniana. DH: "satria lasa tsy manan-kery ianao"
Ny Fiainan-tsy hita dia resahina toy ny hoe olona izay maika hitsena vahiny. Misy hevitra ambadika izany fa maty ilay mpanjaka. DH: "tahaka ny mpandray vahiny maika hitsena anao ny Fiainan-tsy hita"
"mamoha ny maty ho anareo, mpanjakan'ny tany rehetra izany." Ny Fiainan-tsy hita dia resahina toy ny hoe olona izay afaka mamoha ireo izay ao aminy. DH: "Mifoha hiarahaba anao ny mpanjaka maty rehetra any amin'ny Fiainan-tsy hita"
Ity dia ampahany amin'ny hira fanesoana ho hirain'ny Israelita amin'ny mpanjakan'i Babylona. Ety izy ireo dia mihira momba izay ho lazain'ireo mpanjaka maty any amin'ny Fiainan-tsy hita aminy.
Ny teny hoe "izy rehetra" dia manondro ireo mpanjaka maty any amin'ny Fiainan-tsy hita, ary ny teny hoe "aminao" dia manondro ny mpanjakan'i Babylona.
Toy ny hoe nidina nankany amin'ny Fiainan-tsy hita ny famirapiratana no firesak'ireo mpanjaka maty amin'ny mpanjakan'i Babylona izay tsy manana famirapiratana intsony. DH: "Tapitra ny famirapiratanao rehefa nalefan'Andriamanitra taty amin'ny Fiainan-tsy hita ianao"
Hanao mozika amin'ny valiha ny olona ho fanomezam-boninahitra ny mpanjaka. Ny olona izay tsy manome voninahitra ny mpanjakan'i Babylona a,min'ny mozika intsony dia resahin'ireo mpanjaka efa maty toy ny hoe nankany amin'ny Fiainan-tsy hita ny mozika. DH: "niaraka tamin'ny feon'ny olona nitendry mozika hanomezam-boninahitra anao"
Ny olitra ambanin'ny fatiny dia resahina toy ny hoe fandriana. DH: "mandry eo amin'ny fandriana olitra ianao'' na "matory amin'ny olitra be dia be ianao"
Ny kankana eo amin'ny vatany dia resahina toy ny hoe mandrakotra azy tahaka ny bodofotsy. DH: "mandrakotra anao tahaka ny bodofotsy ny kankana" na "Feno kankana eo amin'ny vatanao"
Ity dia ampahany amin'ny hira fanesoana ho hirain'ny Israelita amin'ny mpanjakan'i Babylona.
Ny kintan'ny andro dia kintana izay miposaka mialohan'ny maraina. Niantso ny mpanjakan'ny Babylona araka io kintana io ny vahoakan'Israely mba hilazana fa lehibe izy taloha, saingy tsy izany intsony ankehitriny. DH: "Tahaka ny kintana mamiratra maraina ianao, saingy nilatsaka avy any an-danitra"
Ho resahin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe hazo izay voakapa ny mpanjakan'i Babylona. DH: "Resy tahaka ny hazo izay nisy nikapa tamin'ny tany ianao"
Manisy resaka momba ny angano izay fantatry ny olona rehetra tany amin'ny Asia Andrefana taloha, fa ire andriamanitra Kananita dia nihaona tamin'ny filan-kevitra teny an-tampon-tendrombohitra tany amin'ny faritra avaratr'i Syria. Ny fipetrahana eo an-tendrombohitra dia maneho ny fanapahana miaraka amin'ny andriamanitra. DH: "Hanapaka eo an-tendrombohitra izay hiangonan'ny andriamanitra aho"
Ny tendrombohitra any avaratra hono dia nantsoina Zafona. Ny dikan-teny vaovao sasany dia manao hoe "lavitra any akaikin'i Zafona''
Ity dia ampahany amin'ny hira fanesoana ho hirain'ny Israelita amin'ny mpanjakan'i Babylona.
DH: "Fa ankehitriny dia nalefan'Andriamanitra nidina tany amin'ny Fiainan-tsy hita ianao"
Na haneso ny mpanjakan'i Babylona, na hanehoana ny fahatairana nohon'ny amin'ny zavatra nanjo azy no ampiasain'ny olona io fanontaniana io. DH: "Tsy ity tokoa ilay rangahy"
Ireo mety ho heviny dia 1) nihovitrovitra ny tany nony nandeha mba handresy vahoaka ny mpanjaka, na 2) io dia entina ilazana ny vahoakan'ny tany izay mangovitry ny tahotra azy.
Ireo mety ho heviny dia 1) io dia sarinteny ilazana ny hoe "naharesy fanjakana" na 2) io dia fibangoan-teny ilazana ny "vahoaka mihorohoron'ny fanjakana."
"izay nahatonga ny toerana nonenan'ny olona ho tany efitra"
Ito no fiafaran'ny hira fanesoana ho hirain'ny Israelita amin'ny mpanjakan'i Babylona.
Midiaka izany fa ny fatin'izy ireo dia nalevina am-boninahitra. DH: "nalevina am-boninahitra ireo mpanjaka rehetra efa maty"
Ny fanesorana anaty fasana dia maneho ny tsy fandevenana. DH: "Saingy ianao dia tsy voalevina. Tavela eo amin'ny tany ny fatinao"
Ny ratsan-kazo nariana dia maneho zavatra tsy misy lanjany. DH: "tahaka ny ratsan-kazo izay ahilikilika"
Izany dia maneho faty marobe eo ambonin'ny fatiny. DH: "Mandrakotra ny fatinao tanteraka ny fatin'ireo olona" na "Mivangongo eo ambonin'ny fatinao ny fatin'ireo miaramila"
Ity no milaza hoe iza "ireo maty" tany amin'ny fiandohan'ny fehezanteny. Ny hoe voatrobaky ny sabatra dia maneho ny fahafatesana an'ady. DH: "ireo izay voavono tany an'ady"
Ny lavaka dia ilazana ny helo, na lavaka lehibe any ambany tany izay misy faty be dia be mivangongo tsotra izao.
Ny teny hoe "azy ireo" dia manondro ireo mpanjaka hafa izay maty ka nalevina araka ny tokony izy. DH: "tsy ho alevina tahaka ny nandevenana ireo mpanjaka hafa ianao"
DH: "tsy hisy hiresaka momba ny taranaky ny mpanao ratsy intsony"
Io dia azo averina arafitra mba ho azo ambara amin'ny matoanteny "mamono" ny teny hoe "famonoana." DH: "Mivonona hamono ireo zanaky ny mpanjakan'i Babylona"
Io dia azo averina arafitra mba ho azo ambara amin'ny matoanteny "nanota be" ny teny hoe "heloka." DH: "satria nanota be ny razany"
Eto ny hoe "hitsangana" dia ilazana ny fahatongavana ho mahery na ny fanafihana. DH: "mba tsy ho tonga mahery izy ireo" na "mba tsy hanafika izy ireo"
Maneho ny fakana ny fahefana eo amin'ny vahoakan'ny tany io, amin'ny fandresena azy ireo raha izany toe-javatra izany. DH: "hifehy ny vahoakan'ny tany" na "handresy ny vahoakan'ny tany"
DH: ary hanangana tanàna erak'izao tontolo izao"
Midika izany fa hanao zavatra hanoherana azy ireo Andriamanitra. Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo vahoakan'i Babylona. DH: "Hamely azy ireo Aho" na "Haniraka olona hanafika azy ireo Aho"
Ny teny hoe "fanambarana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny hoe "nanambara" na "nilaza tamin'ny fomba manetriketrika." DH: "izany no ambaran'i Yaveh tompon'ny maro" na "izany no nolazain'i i Yaveh tompon'ny maro tamin'ny fomba manetriketrika"
Adikao araka ny ao amin'ny 1:9.
Ny hoe "foanana" dia maneho ny famotehana. Eto "Babylona" dia manondro ny vahoakan'i Babylona. Ary koa, ny "anarana" dia entina ilazana ny lazan'i Babylona na i Babylona amin'ny maha-fanjakana azy mihisty.
Ny teny hoe "izy" dia manondro ny tanànan'i Babylona. Matetika ny tanàna dia resahina toy ny hoe vehivavy. DH: "Hataoko ho ao ... ihany koa izany"
Io dia maneho bibidia monina ao an-tanàna satria tsy misy olona ao. DH: "toerana honenan'ny vorondolo" na "toerana honenan'ny bibidia"
Ny fampisiana dobo na rano miandrona eo amin'izay nisy tanàna taloha dia resahina toy ny hoe manao izany tanàna izany ho lasa ireo zavatra ireo mihitsy. DH: "ary ho toerana feno rano miandrona"
Io dia maneho ny famotehana tanteraka an'i Babylona mba tsy hisy intsony, toy ny hoe loto tsy misy dikany izay fafan'ny olona. DH: "ho potehiko tanteraka izany, tahaka ny famafana izany amin'ny kifafa"
Adikao araka ny ao amin'ny 1:9.
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. DH: "hiseho tokoa ireo zavatra nokasaiko"
Ny famotehana dia maneho fandresena. DH: "Handresy ny Asyriana eo amin'ny taniko aho" na "hataoko resy eo amin'ny taniko ny Asyriana"
Manondro ny mpanjaka Asyriana sy ny tafiny io. DH: "ny mpanjaka Asyriana sy ny tafiny" na "ny tafika Asyriana"
Maneho ny fandresena azy tanteraka izy.
DH: "Dia ho esoriko hiala amin'izy ireo ny ziogany ary ny enta-mavesany hiala amin'ny hatony"
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Ny fanesorana zioga sy enta-mavesatra dia midika fanafahana ny olona amin'ny fanandevozana. DH: "Dia hanafaka ireo Israelita amin'ny fanandevozan'i Asyria tahaka ny fanesorana enta-mavesatra amin'ny sorony aho"
Ny mpisolo-tena tampisaka "-ny" dia manondro an'i Asyria.
Ny teny hoe 'izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely.
Meto ho Isaia na Yaveh no miteny eto.
Ny hevitry ny "nokasaina" dia azo atao hoe DH: "Izany no fikasana izay kasain'Andriamanitra ho an'ny tany manontolo"
Ny fahavononan'Andriamanitra hanafay ny firenena dia resahina toy ny hoe nanandratra ny tanany mba hamely azy ireo Izy. Ny teny hoe "tanana" dia mety hilazana ny heriny ihany koa. DH: "ary izany no fahefan'i Yaveh hanafay ny firenena rehetra" na "Izao no hamaizan'i Yaveh ny firenena"
Io fanontaniana io dia manamafy fa tsy misy mahasakana an'i Yaveh. DH: "tsy hisy hahasakana Azy"
Adikao araka ny ao amin'ny 1:9.
Maneho ny fahavononan'Andriamanitra hanafay ny firenena io. DH: "Vonona ny hanafay azy ireo Izy"
Io fanontaniana io dia ampiasaina mba hilazana fa tsy misy afaka mampihemotra ny tanan'Andriamanitra. Ny fampihemorana ny tanana dia maneho ny fanakanana Azy tsy hanafay ny firenena. DH: "tsy hisy afaka hampihemotra Azy." na "tsy hahasakana Azy tsy hanafay azy ireo"
Ny tsorakazo izay namely ny Filistia dia maneho ny mpanjaka izay naniraka ny tafiny hanafika azy ireo. Ny fahapotehana dia maneho fahafatesana na faharesena. DH: "maty ilay mpanjaka izay naniraka tafika hamely anareo" na "resy ilay tafika namely anareo"
Ireo andian-teny roa ireo dia samy kisarisary maneho taranaka bibilava izay miha-mandoza noho ilay bibilava. Ireo dia maneho mpandimbin'ny mpanjaka izay mahery sy lozabe mihoatra ilay mpanjaka teo aloha.
karazana bibilava misy poizina
Ny teny hoe "mirehitra" dia mety maneho ny kaikitry ny bibilava misy poizina, ary ny teny hoe "manidina" dia maneho ny fitsipatsipany haingana. DH: "bibilava misy poizina mitsipaka faingana"
Ilazana ireo olona mahantra indrindra io. DH: "Ireo olona mahantra indrindra" na "ireo oloko mahantra indrindra"
Eto ny hoe "fakanareo" dia manondro ny vahoakan'i Filistia. DH: "Hamono ny vahoakanareo amin'ny mosary izay hahafaty ireo sisa valona eo aminareo rehetra aho"
Eto ny "vavahady" sy ny "tanàna" dia maneho ny vahoaka eo amin'ny vavahady sy tanàna. "Midradradradrà, ianareo ry vahoaka eo amin'ny vavahadin'ny tanàna; mitomania, ianareo ry vahoakan'ny tanàna"
Ny hoe mivalaketraka dia maneho ny fahosana nohon'ny tahotra. DH: "halemin'ny tahotra ianareo"
Ny hevitra ambadik'izany dia hisy tafika ho avy avy any avaratra. DH: "Fa avy any avaratra miaraka amin'ny rahon-tsetroka ny tafika"
Ireo mety ho heviny dia 1) io dia maneho rahona feno vovoka izay haparitaky ny tafika eny am-pandehanana amin'ny vovoka maina eny an-dalana. DH: "rahona feno vovoka" na 2) misy setroka be dia be nohon'ny amin'ireo zavatra izay potehin'ny tafika sy dorany. DH: "setroka be dia be"
"tsy misy mandeha mitaraikiraiky any aorian'ny hafa"
Mampiasa io fanontaniana io ny mpanoratra mba hampidirana ny fampahafantarany momba ny fomba tokony hiresahan'ny Israelita amin'ireo iraka. DH: "Izao no hamaliantsika ireo irak'i Filistia"
"Yaveh no nampiandoha an'i Ziona"
"ary ao amin'i Jerosalema" na "any"
"ireo izay nampahoriana tamin'ny olony"
1 Fanambarana mahakasika an'i Moaba. Eny tokoa, anatin'ny alina iray dia foana sy potika i Ara-moaba; eny tokoa, anatin'ny alina iray dia foana sy potika i Kira-moaba. 2 Niakatra ho any an-tempoly izy ireo, niakatra ho any amin'ny tampony ny olon'i Dibona mba hitomany; mitomany ao Nebo sy ao Medeba i Moaba. Voaharatra ho sola ny lohan'izy ireo ary voatapaka ny volom-bavan'izy rehetra. 3 Mitafy lamba fisaonana izy ireo eny amin'ireo lalan'izy ireo; midradradradra eo amin'ny tampon-trano sy eny an-kianja ny tsirairay, ketraky ny tomany. 4 Miantso vonjy i Hesbona sy i Elale; re hatrany Jahaza ny feon'izy ireo. Ka miantso vonjy ireo lehilahin'i Moaba mitam-piadiana; mangovitra ao anatin'izy ireo ihany izy ireo. 5 Mitomany ho an'i Moaba ny foko; mandositra ho any Zoara sy Egleta-selisia ireo mpandosiny. Miakatra any amin'ny fiakaran'i Lonita am-pitomaniana izy ireo; midradradradra mafy ny amin'ny fahasimbany amin'ny lalana ho any Horonaima izy ireo. 6 Ritra ireo ranon'i Nimrima; malazo ireo ahitra ary maty ireo ahi-baovao; tsy misy na inona na inona maitso. 7 Izay rehetra nampitomboiny sy nangonin'izy ireo dia nentin'izy ireo any an-dohasahan-driakan'ireo hazomalahelo. 8 Nanerana ny faritanin'i Moaba ny tomany; hatrany Eglaima sy Ber-elima ny fidradradradrana. 9 Fa feno rà ireo ranon'i Dimona; fa mbola bebe kokoa no ho entiko amin'i Dimona. Hanafika izay tafatsoaka avy ao Moaba sy ireo sisa tavela eo amin'ny tany ny liona.
Matetika ny tranga amin'ny faminaniana izay hitranga amin'ny ho avy dia faritana toy ny hoe mitranga ankehitriny na tamin'ny lasa. Izany dia manamafy fa hiseho tokoa ilay tranga.
"Izo no ambaran'i Yaveh" na "Ity no hafatra avy amin'i Yaveh"
Ireo dia anaran-tanàna sy vohitra any Moaba.
Ny teny hoe "foana" sy "potika" dia mitovy hevitra ary manamafy fa rava tanteraka ny tanàna. DH: "Ho potehin'ny tafika fahavalo tanteraka i Ara-moaba"
Eto ny hoe "ho any amin'ny avo" dia entina ilazana tempoly na alitara izay naorina eny amin'ny tany avo tahaka ny havoana na sisin-tendrombohitra. DH: "niakatra ho any amin'ny tempoly eny an-tampon-kavoana mba hitomany"
Io teorana io dia ilazana ireo olona izay monina ao. DH: "hitomany ny vahoakan'i Moaba nohon'ny amin'izay nanjo ny tanànan'i Nebo sy Medeba"
Manao izany izy ireo mna hampisehoana ny alahelony mafy. DH: "Hanaratra ny lohany sy hanapaka ny volombavany izy ireo ka hitomany"
Ity no manohy ny faminaniana momba ny vahoakan'i Moaba. Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. Jereo ny (15:1)
Manao izany izy ireo mba hampisehoana ny alahelony lehibe. DH: "Mitafy lamba fisaonana izy ireo ka misaona"
Ireo dia anaran-tanàna sy vohitra.
Ireo anaran-tanàna ireo dia ilaza ny vahoakan'ireo tanàna ireo.
Ny fangovitana ara-batana dia fomba fisehon'ny tahotra. DH: "ho heniky ny tahotra tanteraka izy ireo"
Ity no manohy ny faminaniana momba ny vahoakan'i Moaba. Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. Jereo ny (15:1)
Ny fo dia maneho ny fihetseham-po. Resahin'Andriamanitra toy ny hoe fo mitomany io alahelo mafy io. DH: "Malahelo mafy ny amin'izay nanjo an'i Moaba aho"
"handositra ireo mpitsoa-ponenana avy any Moaba." Ny mpitsoa-ponenana dia olona izay mandositra mba tsy ho babon'ny fahavalony.
Anaran-tanàna sy vohitra ireo.
Io dia azo averina arafitra mba ho azo adika amin'ny matoanteny "mandrava" ny teny hoe "faharavana." DH: "satria rava ny tanànan'izy ireo"
"izay rehetra"
Mety manondro ilay renirano any amin'ny faritany atsimon'i Moaba io.
Ity no manohy ny faminaniana momba ny vahoakan'i Moaba. Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. Jereo ny (15:1)
Ny fitomanian'ny olona sy ny fandrenesan'ny hafa izany dia resahina toy ny manerana ny faritany. DH: "Hitomany ny vahoaka rehetra manerana ny faritanin'i Moaba"
Ny fidradradradran'ny olona sy ny fandrenesan'ny hafa izany dia resahina toy ny hoe lasa lavitra ka hatrany amin'ireo toerana roa ireo ilay fidradradradrana. DH: "tonga hatrany Eglaima sy Ber-elima ny fidradradradrana" na "midradradradra na dia ny olona lavitra hatrany Eglaima sy Ber-elima aza"
Anaran-tanàna sy vohitra ireo. Dimona no renivohitry ny tanànan'i Moaba. Ny diakn-teny vaovao maro dia manao hoe "Dibona" raha tokony ho "Dimona."
Eto mpisolo-tena tampisaka "-ko" dia manondro an'i Yaveh. Ary koa, ny hoe "amin'i Dimona" dia ilazana ireo vahoaka. DH: "fa hahatonga fahoriana mafy kokoa ho an'ny vahoakan'ny Dimona aza Aho"
1 Andefaso omby aman'osy ny mpanapaka ny tany avy any Sela any an'efitra, hatrany amin'ny tendrombohitry ny zanaka vavin'i Ziona. 2 Tahaka ireo vorona mpirenireny, tahaka ireo akany miparitaka, ka ny vadin'i Moaba dia ho ao amin'ny fintana any amin'ny reniranon'i Arnona. 3 Manomeza hevitra, ampiharo ny rariny; manomeza alokaloka tahaka ny alina amin'ny mitataovovonana; hafeno ireo mpandositra; aza mamadika ireo mpandositra. 4 Aoka honina eo aminareo izy ireo, ry mpitsoa-ponenana avy any Moaba; meteza ho toerana fiafena ho azy ireo amin'ny mpandringana." Fa hijanona ny fampahoriana, ary hitsahatra ny fandravana, ireo izay nanosihosy dia hanjavona amin'ny tany. 5 Hapetraka amin'ny fanekena mahatoky ny seza fiandrianana; ary ny iray avy amin'ny lain'i Davida dia hipetraka ao am-pahatokiana. Hitsara tahaka ny fitadiavany ny rariny izy ary hanao fahamarinana. 6 Naheno ny avonavon'i Moaba izahay, ny fireharehany, ny fihoa-bavany, ary ny hatezerany. Fa ny fireharehany dia teny foana. 7 Ka midradradradra ho an'i Moaba i Moaba_Midradradradra izy rehetra! Misaonà ho an'ny ampempam-boalobok'i Kira-haresa, ianao izay rava tanteraka. 8 Nihamaina tahaka ireo voalobok'i Sibma ireo sahan'i Hesboma. Ny mpanapaka amin'ny firenena dia nanosihosy ireo safidim-boaloboka izay tonga hatrany Jazera ary niparitaka tany an'efitra. Ireo sampany niely teny ivelany, nandeha manerana ny ranomasina izy ireo. 9 Dia hitomany miaraka amin'i Jazera ho an'ireo voalobok'i Sibma tokoa aho. Hanondraka anao amin'ireo ranomasiko aho, ry Hesbona, sy Elale. Fa teo amin'ireo sahan'ny voa lohataona sy ny fijinjana no namaranako ireo hiakam-pifaliana. 10 Noesorina tamin'ny alan'ny hazo fihinam-boa ny fifaliana sy firavoaravoana; ary tsy misy hira na hiaka ao amin'ny tanim-boaloboka. Tsy hisy na iza na iza hanitsaka divay ao amin'ny famiazana, fa efa natsahatro ireo hiakan'ny iray izay manitsaka. 11 Ka misento tahaka ny harpa ho an'i Moaba ny foko, ary ny ao anatiko ho an'i Kira Hareseta. 12 Rehefa mampiakanjo ny tenany any amin'ny toerana avo i Moaba ka miditra ny tempoliny mba hivavaka, dia tsy hahatanteraka na inona na inona ny vavany. 13 Izany no teny izay notenenin'i Yaveh mahakasika an'i Moaba teo aloha. 14 Miteny indray Yaveh hoe: "Anatin'ny telo taona, dia hanjavona ny voninahitr'i Moaba, na dia maro aza ireo olony, dia ho vitsy ireo sisa tavela ary tsy hisy dikany."
Ity no manohy ny faminaniana momba ny vahoakan'i Moaba. Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. Ny andininy voalohany dia mety izay ambaran'Andriamanitra momba ireo mpanapak'i Moaba sy izay hifampilazan'izy ireo. Jereo ny (15:1)
Handefa ondrilahy any amin'ny mpanapak'i Joda ireo Moabita mba hiarovan'izany azy ireo amin'ny tafika fahavalo.
Anaran-tanàna io.
Ny "zanaka vavin'ny" tanàna dia ilazana ny vahoakan'ilay tanàna. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 1:7. DH: "ny vahoakan'i Ziona" na "ny olona izany monina any Ziona"
Ny vahoakan'i Moaba rehetra, isan'izany ny vehivavy, dia voatery handositra hiala amin'ny fonenany. DH: "Tahaka ny vorona tsy manam-ponenana, dia handositra any hiampitan'ny renirano ho any amin'ny tany hafa ireo vehivavy"
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo.
Ity no manohy ny faminaniana momba ny vahoakan'i Moaba. Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. Ny andininy fahatelo sy fahefatra dia mety ho ilay hafatra izay nalefan'ny mpanapaka Moabita tamin'ny mpanjakan'i Joda. Jereo ny (15:1)
Ny hafanana amin'ny mitataovovonana dia maneho ny fijalian'ireo Moabita tamin'ny fahavalony, ary ny alokaloka dia maneho fiarovana amin'ny fahavalon'izy ireo. Ny fampitahana ny alokaloka amin'ny alina dia mampiseho fa mila fiarovana mafy izy ireo. DH: "arovy tanteraka amin'ny fahavalonay izahay, tahaka ny aloka lehibe izay miaro ny olona amin'ny masoandro mahamay"
"Avelao honina miaraka aminareo ireo mpitsoa-ponenana avy any Moaba." Eto ny hoe "aminareo" dia manondro ny vahoakan'i Joda.
Ny fanomezana toerana fiafenana dia resahina toy ny hoe ianao ilay toerana fiafenana. DH: "omeo toerana hiafenana amin'ireo izay mitady handripaka azy izy ireo" na "afeno amin'ireo izay te handripaka azy izy ireo"
Eto ny "seza fiandrianana" dia ilazana ny fahefana hanapaka amin'ny maha-mpanjaka. DH: "Hatoky amin'ny fanekena Yaveh ary hanendry mpanjaka"
Eto "ny lain'i Davida" dia ilazana ny fianakavian'i Davida, isan'izany ny taranany. Ny fipetrahana eo amin'ny seza fiandrianana dia ilazana ny fanapahana. DH: "hisy taranak'i Davida hanapaka am-pahatokiana"
Ny fitadiavana ny rariny dia anehoana ny faniriana hanao izay marina.
Ity no manohy ny faminaniana momba ny vahoakan'i Moaba. Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. (Jereo ny 15:1)
Ny teny hoe "Moaba" dia manondro ny vahoakan'i Moava. DH: "Renay fa mirehareha sy miavonavona, mieboebo sasy tezitra ny vahoakan'i Moaba"
Ireo mety ho heviny dia 1) Isaia no miteny ary ny hoe "izahay" dia manondro azy sy ireo vahoakan'i Joda, na 2) Andriamanitra no miteny ary ny hoe "izahay" dia manondro Azy.
"Saingy tsy misy dikany izay lazainy momba ny tenany" na "Saingy tsy marina izay ireharehany"
"Moaba" dia ilazana ny vahoakan'i Moaba. "Koa dia hidradradradra ny amin'izay nanjo ny tanànan'izy ireo ny vahoakan'i Moaba rehetra"
"satria sy misy ampempam-boaloboka ao Kira-haresa"
Ny teny Hebreo ampiasaina eto dia midika hoe "mofo voaloboka" na "lehilahy."
Anaran-tanàna io.
Ity no manohy ny faminaniana momba ny vahoakan'i Moaba. Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. (Jereo ny 15:1)
Adikao araka ny ao amin'ny 15:3 ireo anaran-tanàna ireo.
Anaran-tanàna ireo.
Ny tanin'i Moaba dia fantatra tamin'ny tanim-boalobony. Eto Andriamanitra dia mamaritra ny tanin'i Moaba toy ny tanim-boaloboka iray lehibe. Izany dia manamafy fa ireo mpanapaka, izay entina ilazana ny tafika, dia namotika tanteraka ny zava-drehetra tany Moaba.
Ity dia manohy ny famaritana ny tanin'i Moaba ho tahaka ny tanim-boaloboka lehibe (Jereo 16:8). Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy.
Ao amin'ny 16:9-10 ny teny hoe "aho" dia manondro an'i Yaveh.
Ny alahelony mafy nohon'ny amin'ireo toerana ireo dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe hitomany mafy tokoa izy hany ka hisy ranomaso be hirotsaka amin'ireo. DH: "Hitomany mafy ny aminareo aho"
Adikao araka ny ao amin'ny 16:08 ireo anaran-tanàna ireo.
Adikao araka ny ao amin'ny 15:3 ireo anaran-tanàna ireo.
Ny "hiakam-pifaliana" dia ilazana ny vahoaka mihiakiakam-pifaliana ny amin'ny vokatry ny hazo fihinam-boany. DH: "Nohon'ny amin'izay hataoko, dia tsy hihiakam-pifaliana intsony ianareo rehefa mijinja ny sahanan'ny vokatrareo"
Eto ny "hiaka" dia ilazana ny fifalian'ny vahoaka izay manosihosy ireo voloboka mba hanaovana divay. DH: "noho izany ireo izay manosihosy ny voaloboka dia tsy hihiakam-pifaliana"
Ity no manohy ny faminaniana momba ny vahoakan'i Moaba. Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. (Jereo ny 15:1)
Ny teny hoe "foko" dia manondro an'i Yaveh sy ny alahelony. Mampitaha ny fisentoany amin'ny feon'ny hira mampalahelo hiraina amin'ny harpa izy. DH: "Koa dia misento tahaka ny hira mampalahelo hiraina amin'ny harpa aho"
Ireo teny rehetra ireo dia manondro ny vahoakan'i Moaba.
Ny teny hoe "ny ao anatiko" dia ilazana an'i Yaveh. Ny teny hoe "misento" dia efa azo hatreo amin'ny andian-teny teo aloha. Jereo ny nandikanao ny hoe "Kira Hareseta" ao amin'ny ao amin'ny 16:6. DH: "Misento ny ao anatiko nohon'ny amin'i Kira Hareseta" na "Malahelo mafy ny amin'ny vahoakan'i Kira Hareseta aho"
"tsy hivaly ny fivavany"
"Izany no hafatra." Io dia manondro izay nolazainy rehetra tao amin'ny 15:1-16:12.
Ny teny hoe "Moaba" dia manondro ny vahoakan'i Moaba.
"Tsy ho be voninahitra intsony ny tanin'i Moaba"
1 Fanambarana momba an'i Damaskosy. 2 Hafoy ireo tanànan'i Aroera. Ho toerana handrian'ny biby fiompy ireny, ary tsy hisy hampitahotra azy ireo. 3 Hanjavona tsy ho ao Efraima, ilay fanjakana avy any Damaskosy, ary ilay sisa tavelan'i Arama ireo tanàna voaaro—ho tahaka ny voninahitry ny vahoakan'Israely ireo—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro. 4 Ary amin'izany andro izany dia ho bitika ny voninahitr'i Jakoba, ary hanjary hahia ny fahatavezan'ny nofony. 5 Ho takaka ny amin'ny fanangonan'ny mpinjinja ny vary an-tahony izany, ary ny sandriny mijinja ny salohim-bary. Ho tahaka ny amin'ny fanotazan'ny olona iray ny salohim-bary eny amin'ny Lohasahan'ny Refaima izany. 6 Hisy sisa voaagona ho tavela, kanefa, ho tahaka ny amin'ny fihozongozonan'ny hazon'oliva: misy oliva roa na telo eo amin'ny rantsany ambony indrindra, efatra na dimy eo amin'ny sampany avo indrindra amin'ny hazo mamoa—izany no fanambaran'i Yaveh, Andriamanitr'Israely. 7 Amin'izany andro izany dia hitodika amin'ny Mpahary azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin'Israely. 8 Tsy hijery ny alitara izy ireo, izay asan'ny tanan'izy ireo, na hijery izay nataon'ny ratsan-tanany, dia ny baon'Aseraha na ireo sary masoandro. 9 Amin'izany andro izany dia ho tahaka ny bao hazo nafoy eny amin'ny tendron'ny havoana ny tanàna mafy orin'izy ireo, izay nafoy noho ireo vahoakan'Israely ary hanjary ho lao izany. 10 Fa nanadino ny Andriamanitry ny famonjenareo ianareo, ary nodianareo fanina ny vatolampin'ny herinareo. Koa mamboly zava-maniry mahafinaritra ianareo, ary mametraka tahom-boaloboka voaray avy tamin'ny vahiny, 11 amin'ny andro hambolenareo, sy hamefenareo, sy hampanirianareo. Tsy ho ela dia haniry ny voanareo, saingy tsy hahavanona ny vokatrareo amin'ny andro fahoriana sy alahelo mafy. 12 Loza! Ny fikomian'ny olona maro, izany mierona tahaka ny fieron'ny ranomasina, ary ny fisafoaky ny firenena, izay mifaoka tahaka ny fipaokan'ny rano mahery! 13 Hierona tahaka ny fipaokan'ny rano maro ireo firenena, saingy hibedy azy ireo mafy Andriamanitra. Handositra lavitra izy ireo ary hazaina tahaka ny ahi-dratsy tsofin'ny rivotra eny amin'ny tendrombohitra, ary tahaka ny ahi-drasty ahodikodin'ny tafiotra. 14 Amin'ny hariva, indro, ny horohoro! Mialohan'ny maraina dia ho dify ireo! Izany no anjaran'ireo izay mambabo antsika, ny amboaran'ireo izay mandroba antsika.
Anaran-tanàna ny hoe Damaskosy. Adikao araka ny ao amin'ny 7:7
DH: "Handao ny tanànan'i Aroera avokoa ny olona rehetra"
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo ondry.
Efraima no foko lehibe indrindra ao Israely. Eto izany dia maneho ny fanjakana tavaratra rehetra. DH: "Hanjavona tsy ho ao Israely ireo tanàna mahery"
Tsy midika akory izany fa ho levona izy ireo, fa kosa ireo tanàna no ho rava.
Ny teny "ho levona" dia azo alaina avy amin'ny andianteny teo aloha. Damaskosy no toerana izay nanapahan'ny mpanjakan'i Syria. Ny anjavonan'ny fanjakana dia maneho ny mpanjaka tsy manana fahefana
Syria dia anarana firenena iray. Adikao araka ny nandikanao azy izany ao amin'ny 7:1.
Satria ny vahoakan'Israely tsy be voninahitra intsony, Izany midika fa tsy hanam-boninahitra intsony koa ny sisa tavelan'i Syria. DH: "Tsy ho be voninahitra intsony izy ireo, tahaka ny vahoakan'Israely ihany" na "Hitondra henatra ho azy ireo tahaka ny nataoko tamin'Israely Aho"
Adikao izany araka ny nanaovanao azy ao amin'ny 14:21.
Ity teny ity dia entina anamarihana tranga lehibe izay hiseho. Raha manana fomba hilazana izany ny fiteninao, dia azonao hevirina ny hampiasa izany eto.
Eto "Jakoba" dia ilazana ny fanjakan'Israely. Tsy ho be voninahitra intsony Israely. Fa ho osa sy mahantra kosa izany.
Tsy hisy na inona na inona tavela eo amin'ny tany aorian'ny hamaizan'Andriamanitra ny vahoakan'Israely.
Io no lohasaha izay nambolen'olona sy mnijinjany sakafo betsaka.
Ity dia manohy ny fampitahana ny firenen'Israely amin'ny saha izay jinjaina. (Jereo ny 17:4)
Ny teny hoe "sisa voaangona" eto dia maneho ny vahoaka izay mbola velona ao Israely. DH: "Fa hisy olona vitsy ho tavela ao Israely"
Tamin'ny fanozongozonana ny hazon'oloiva no niotazan'ny olona ny oliva mba hilatsahan'izany. DH: "tahaka ireo oliva vitsy tavela eo amin'ny hazon'oliva aorian'ny hiotazana azy"
Ny teny hoe "oliva" eto dia efa azo tamin'ny andian-teny talohan'ity. DH: "oliva efatra na dimy"
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 14:21.
Ny fitodihana amin'Andriamanitra eto dia maneho fanantenana fa hanampy azy ireo Izy. DH: "hanantena ny Mpahary, dia ilay Iray Masin'Israely, mba hanampy azy ny olona''
Ny teny hoe "olona" dia ilazana ny olona amin'ny ankapobeny.
Eto ny "maso" dia maneho ny olona izay mijery. DH: "hijery izy ireo" na "hijery ny olona"
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 1:4.
Ny fijerena ny alitara dia maneho fanompoan-tsampy amin'ny fanantenana fa hanampy azy ilay sampy. DH: "Tsy hanompo sampy eny amin'ny alitarany intsony izy ireo" na "Tsy hankeny amin'ny alitarany ka hangataka ny sampiny hanampy azy intsony ny vahoakan'Israely"
Ny firesahana momba ny tanana eto dia manamafy fa ny olona no nanao ilay alitara na ireo sampy. DH: "izay nataon'izy ireo tamin'ny tanany" na "izay naorin'izy ireo ihany"
Ny andian-teny faharoa dia mampahafantatra zavatra izay nataon'ny olona. Ny firesahana momba ny tsan-tanana dia manamafy fa ny olona no nanao ireo, koa ireo zavatra ireo dia tsy tena andriamanitra. DH: "ny baon'Aseraha na ireo sary masoandro, izay nataon'izy ireo ihany"
Azo atao mazava hoe izay no nandao ireo tany ireo. DH: "izay nilaozan'ireo Hivita sy Amorita taorian'ny nahatongavan'ny vahoakan'Israely"
Eto ny hoe "ianareo" dia manondro ny vahoakan'Israely. Ny teny hoe "nanadino" dia tsy midika akory fa tsy mahatsiaro an'Andriamanitra izy ireo. Midika izany fa tsy mankatoa Azy intsony izy ireo. DH: "Fa tsy mankatoa ... intsony ianareo"
'ny Andriamanitra izay namonjy anareo"
Ity dia mampitaha an'Andriamanitra amin'ny vato lehibe izay azon'ny olona hitsambikinana mba hialana amin'ny fahavalo na hiafenana ao ambadika. DH: "ary nody fanina an'Andriamanitra, izay tahaka ny vatolampy miaro anareo" na "ary nody fanina an'ilay iray izay miaro anareo"
"tsy hisy voany betsaka ny vokatrareo"
DH: "Ny feon'ny olona maro, izay mafy dia mafy tahaka ny ranomasina"
Toa herin-tafika matanjaka izay tsy misy mahasakana ny tafika fahavalo. DH: "tonga mifaoka tahaka ny rani mahery ireo firenena"
Ny teny hoe "firenena" dia manondro ny tafik'ireo firenena ireo. DH: "ny fisafoaky ny tafika fahavalo"
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Toa matanjaka ny tafika fahavalo saingy hatsahatr'Andriamanitra mora foana ireo ary halefany lavitra. DH: "tahaka ny ahi-dratsy maina eny an-tendrombohitra izay tsofin'ny rivotra ... tahaka ny ahi-dratsy izy malazo ary misidina rehefa manatona ny tafiotra"
Izy manjo azy ireo dia resahina toy ny hoe anjara izay lovain'izy ireo. DH: "Izany no manjo ireo izay"
Ny teny hoe "antsika" dia manondro an'Isaia sy ny vahoakan'i Joda.
1 Loza ho an'ny tanin'ny fibitsibitsihin'ireo elatra, izay miaraka amin'ireo onin'ny Etopia; 2 izay nandefa masoivoho amin'ny ranomasina, ao anaty fanaka taratasy papirosy eny amin'ny rano. Mandehana, ianareo ry iraka haingam-pandeha, any amin'ny firenena lava sy malama, any amin'ny olona matahotra lavitra sy akaiky, firenena matanjaka sy manosihosy, izay nozarai'ny ony ny taniny. 3 Ianareo mponina rehetra eto amin'izao tontolo izao sy ianareo izay monina eto an-tany, rehefa niainga eo an-tampon-tendrombohitra ny fanairana, mijere, ary rehefa tsofina ny trompetra, mihainoa. 4 Izao no nambaran'i Yaveh tamiko, "Handinika moramora avy eny amin'ny tranoko Aho, toy ny fipoakan'ny hafanana eny amin'ny masoandro, toy ny zavon'ny rahona amin'ny hafanan'ny fijinjana. 5 Mialohan'ny fijinjana, rehefa tapitra mamelana ny, ary ny voninkazo dia mamoa ho voaloboka, handrantsana ireo voniny amin'ny fanetezam-boaloboka izy, ary hokapainy sy ho entiny ireo rantsana voaely. 6 Havela ho an'ny voron'ny tendrombohitra sy ireo biby eny ambonin'ny tany koa izy ireo. Handany fahavaratra amin'izy ireo ny vorona, ary ireo biby manan'aina rehetra dia handany ririnina amin'izy ireo." 7 Amin'izany fotoana izany dia hisy fanomezam-boninahitra an'i Yaveh Tompon'ny maro avy amin'ireo vahoaka lava sy malama, avy amin'ny vahoaka natahotra alavitra sy akaiky, firenena matanjaka sy voahitsaka, ireo izay nosarahan'ny ony ny taniny, ao amin'ny toeran'ny anaran'i Yaveh Tompon'ny maro, hatrany amin'ny tendrombohitra Ziona.
Ny mety ho hevitry ny "firahondrahon'elatra" dia 1) Ny elatra dia maneho sambo mandeha. DH: "Loza ho an'ireo izay monina ao amin'ny tany andafin'ny onin'i Etiopia, izay tahaka ny bibikely eny amin'ny rano ireo sambony maro" na 2) ny firohondrohon'elatra dia entina ilazana ny feom-bibikely izay manan'elatra, mety hoe valala ohatra.
Lehibe tokoa ny Reniranon'i Neily, ary olona tany Egypta sy Etiopia dia niantso izany hoe "ranomasina." DH: "amin'ny renirano lehibe" na "amin'ny Reniranon'i Neily"
Ny papirosy dia hazo lava be izay maniry eny amin'ny sisin'ny reniranon'i Neily. Natambatabatry ny olona ny fehezana papirosy mba hanaovana lakana. DH: "lakana papirosy" na "lakana vita amin'ny volotara"
Ireo andian-teny ireo dia mamaritra ny vahoakan'ny firenena iray avokoa. DH: "firenena izy ranjanana sady malama hoditra ny vahoakany"
Ny teny hoe "firenena" eto dia ilazana ny vahoakan'izany firenena izany. DH: "firenena izay ranjanana
Ny teny hoe "lavitra sy akaiky" dia miara-ampiasaina hilazana hoe "na aiza na aiza." DH: "olona izay atahorana na aiza na aiza" na "olona izay atahoran'ny olon-drehetra eto an-tany"
Ny fanosihosena dia ilazana ny fandresena ny firenena hafa. DH: "firenena izay matanjaka sy mandresy ny firenena hafa"
Mety ilazana ny renirano maro izay mikoriana manapaka ny firenena izany mba hizaran'ireo ho faritra samihafa.
Ny andininy faha 3 dia milaza izay tsy maintsy ambaran'ilay iraka tao amin'ny 18:1 amin'ny vahoakan'izao tontolo izao.
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. DH: "Ianareo vahoakan'ny tany rehetra"
Ny trompetra fanairana dia natao mba hiantsoana ho amin'ny ady. Ireo didy mba hijery sy hihaino dia didy mba hitandrina sy hiomana ho amin'ny ady. DH: "tandremo tsara rehefa atsangana eny an-tendrombohitra ny fanairana ka tsofina ny trompetra"
Ilay fanairana dia saina izay nampiasaina hiantsoana ny olona ho amin'ny ady. DH: "mitandrema rehefa mahita ilay saina filazana ady eny an-tendrombohitra ianareo''
Ny trompetra dia nampiasaina hiantsoana ny olona ho amin'ny ady. DH: "mitandrema rehefa mandre feon-trompetra filazana ady ianareo"
Mampiasa fanoharana momba ny mpamboly eny amin'ny tanim-boaloboka Andriamanitra mba hamaritana izay hataony amin'ny firenena sasany. Izany firenena izany dia mety ho i Etiopia na ny fahavalon'i Etiopia.
"Hoy Yaveh tamiko." Eto ny teny hoe "tamiko" dia manondro an'Isaia.
Izay ho dinihin'Andriamanitra dia azo atao mazava. DH: "Handinika moramora izany firenena izany avy eny amin'ny tranoko Aho" na "avy eny amin'ny tranoko Aho no handinika moramora izay hataon'ny vahoakan'izany firenena izany"
Ireo andian-teny ireo dia mampiseho ny fomba fandinihan'Andriamanitra mangina ny firenena.
Mialohan'ny fijinjana voaloboka
Azo atao mazava fa manondro ny voaloboka mamelana izany. DH: "rehefa tapitra ny fanirian'ny vony eo amin'ny voaloboka"
Raha hitan'ny mpamboly fa tsy mamoa ny sampana vaovao, dia ho tapahiny izany. DH: "dia handrantsana ireo voniny izay tsy mamoa ny mpamboly"
Ny fanetezam-boaloboka dia antsy ampiasain'ny olona hanapahana ny sampam-boaloboka na zava-maniry hafa.
Raha hitan'ny mpamboly fa naniry be loatra ny sampana iray ka misakana ny voaloboka manontolo tsy hamoa, dia ho kapainy izany ka hariany.
Toa mivadika amin'ny filazana fanoharana amin'mny fanambarana mivantana kokoa momba ireo firenena Andriamanitra. DH: "Ho avela miaraka ireo izay voavono" na "Tahaka ny rantsana izay kapaina ka ariana, ny fatin'ireo izay vaovono koa dia havela amin'ny tany"
"Hihinana azy ireo mandritra ny fahavaratra ny vorona." Ny teny hoe "vorona" dia ilazana ny vorona izay mihinana ny nofon'ireo faty.
"ireo karazana bibidia rehetra"
"hihinana azy ireo amin'ny ririnina"
Mamaritra ny vahoakan'ny firenena iray ireo andian-teny rehetra ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 18:1.
"olona ranjanana sy malama hoditra"
Ny teny hoe "lavitra sy akaiky" dia miara-ampiasaina hilazana hoe "na aiza na aiza." DH: "olona izay atahorana na aiza na aiza" na "olona izay atahoran'ny olon-drehetra eto an-tany"
Ny fanosihosena dia ilazana ny fandresena ny firenena hafa. DH: "firenena izay matanjaka sy mandresy ny firenena hafa"
Ny teny hoe "anarana" dia manondro an'i Yaveh. DH: "any an-tendrombohitr'i Ziona, izay itoeran'i Yaveh tompon'ny maro"
1 Fanambarana momba an'i Egypta. Indro, Yaveh mitaingina rahona haingam-pandeha ka ho avy any Egypta; mihovitrovitra eo anatrehany ireo sampin'i Egypta, ary dia ketraka anaty ny fon'ireo Egyptiana. 2 "Hamporisihiko hiady ireo Egyptiana samy Egyptiana: lehilahy iray hiady amin'ny rahalahiny, ary lehilahy iray hanohitra ny namany; tanàna hanohitra tanàna, ary fanjakana hanohitra fanjakana. 3 Ho ketraka anaty ny fanahin'i Egypta. Ho potehiko ny toroheviny, na dia nitady ny hevitr'ireo sampy, sy fanahin'olo-maty, sy mpahita ny ho avy, ary mpanao sikidy aza izy ireo. 4 Hatolotro eo an-tanan'ny tompo masiaka ireo Egyptiana, ary mpanjaka matanjaka no hanapaka eo amin'izy ireo_ izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh tompon'ny maro." 5 Ho ritra ny ranon'ny ranomasina, ary ho ritra ny ony ka ho foana. 6 Ho tonga maloto ireo renirano; hihena ny riak'i Egypta ka ho ritra; ny volotara sy ny zozoro halazo. 7 Ireo volotara amoron'i Neily, amoron'ny vavan'i Neily, sy ireo tanim-bolin'i Neily rehetra dia ho kina, hanjary vovoka, ka ho voatsoka. 8 Hidradradradra sy hisaona ireo mpanjono, ary izay rehetra manipy ny fintany ao amin'i Neily hisaona, ary izay mamelatra ny haratony ao amin'ny rano halahelo. 9 Ireo mpiasa amin'ny bangon-drongony sy izay manenona lamba hiova ho hatsatra. 10 Ho voatorotoro ireo mpanao lamban'i Egypta; ireo rehetra miasa amin'ny fikaramana halahelo anaty. 11 Adala tanteraka ireo andrian'i Zoana. Ny torohevitr'ireo mpanolotsaina hendry indrindran'i Farao miova ho tsy misy dikany. Ahoana no hitenenanao amin'i Farao hoe: "Izaho no zanaka lahin'ireo olon-kendry, zanaka mpanjaka fahiny?" 12 Koa aiza ary izay olon-kendrinao eo? Aoka izy ireo hilaza aminao ka hampahafantatra izay kasain'i Yaveh Tompon'ny maro mahakasika an'i Egypta. 13 Efa adala ny andrian'i Zoana, voafitaka ireo andrian'i Memfisa; efa nanao an'i Egypta handeha amin'ny lalan-diso izy ireo, izay fehizoron'ireo fokony. [1]14 Yaveh efa nampifangaro fanahin'ny fifandroritana teo anivony, ary izy ireo efa nitarika an'i Egypta tamin'ny lalan-tsy izy amin'izay ataony rehetra, tahaka ny mamo mivembena amin'ny naloany. 15 Tsy misy na inona na inona azon'ny olona atao intsony ho an'i Egypta, na ny loha na ny rambo, na ny rantsan-drofia na ny volotara. 16 Amin'izany andro izany, ireo Egyptiana ho tahakan'ny vehivavy. Hihorohoro sy hatahotra izy ireo noho ny fisandratry ny tanan'i Yaveh Tompon'ny maro izay atsangany eo amin'izy ireo. 17 Ho tonga anton'ny fivemben'i Egypta ny tanin'ny Joda. Na rahoviana na rahoviana misy olona hampahatsiahy azy ireo Azy, dia hatahotra izy ireo, noho ny fikasan'i Yaveh, izay rafetiny hanohitra azy ireo. 18 Amin'izany andro izany dia hisy tanàna dimy ao amin'ny tany Egypta izay hiteny ny fitenin'i Kanàna ary hianiana fankatoavana amin'i Yaveh Tompon'ny maro. Iray amin'ireo tanàna ireo ho antsoina hoe Ilay Tanànan'ny Masoandro. [2]19 Amin'izany andro izany dia hisy alitara ho an'i Yaveh eo afovoan'ny tany Egypta, ary tsangam-bato ho an'i Yaveh eo amin'ny sisiny. 20 Izany dia ho famantarana sy vavolombelona ho an'i Yaveh Tompon'ny maro ao amin'ny tany Egypta. Rehefa mitomany an'i Yaveh noho ireo mpampahory izy ireo, dia handefa mpanavotra sy mpiaro ho azy ireo Izy, ary hanafaka azy ireo. 21 Ho tonga fantatr'i Egypta i Yaveh, ary hahalala an'i Yaveh ireo Egyptiana amin'izany andro izany. Hanompo amin'ny sorona sy fanatitra izy ireo, ary hanao voady amin'i Yaveh izy ireo ka hanatanteraka ireo. 22 Hampahory an'i Egypta i Yaveh, mampahory ary manasitrana. Hiverina amin'i Yaveh izy ireo; hihaino ny vavak'izy ireo Izy ka hanasitrana azy ireo. 23 Amin'izany andro izany dia hisy lalam-be hantrany Egypta ka hatrany Asyria, ka ho tonga any Egypta ny Asyriana, ary ny Egyptiana any Asyria; ary hanompo miaraka amin'ireo Asyriana ireo Egyptiana. 24 Amin'izany andro izany, Israely no ho fahatelo amin'i Egypta sy Asyria, fitahiana iray eo afovoan'ny tany; 25 hitahy azy ireo Yaveh Tompon'ny maro ka hiteny hoe: "Hotahiana anie Egypta, vahoakako; i Asyria, asan'ny tanako; ary Israely, lovako."
"Jereo" na "Mihainoa." Manisy fanamafisan-kevitra amin'izay ho lazaina manaraka io teny io.
Toa atao kisarisary mitaingina rahona toy ny fitaingina kalesy Yaveh eto.
Ireo sampy dia faritana ho manana fahatsapana tahotra rehefa manatona Yaveh. DH: "mihovitrovitry ny tahotra eo anatrehan'i Yaveh ny sampin'i Egypta"
Ny fo mivalaketraka dia midika tsy fananana herim-po intsony. DH: "ary tsy manana herim-po intsony ny Egyptiana"
Ny teny hoe "hiady" eto dia efa fantatra amin'ny andian-teny teo aloha. DH: "hiady hanohitra ny namany ny olona iray"
Ny teny hoe "tanàna" dia maneho ny vahoakan'izany tanàna izany. DH: "hisy vahoakan'ny tanàna iray hiady amin'ny tanàna iray hafa" na "hiady amin'ny samy izy ireo ny vahoaka avy amin'ny tanàna samihafa"
DH: "hisy fanjakana hiady amin'ny fanjakana"
Ny teny hoe "fanjakana" dia entina ilazana fanjakana kelikely kokoa ao Egypta. Mety ho azo antsoina hoe faritany ihany koa izany. Manondro ny vahoakan'izany fanjakana na faritany izany io. DH: "hisy vahoaka avy amin'ny faritany iray hanohitra ny vahoaka avy amin'ny faritany hafa" na "hisy vahoaka avy amin'ny faritany samihafa hiady amin'ny samy izy ireo"
Resahina toy ny hoe olona i Egypta eto.
DH: "hahaketraka anaty ny fanahin'i Egypta Aho"
Io dia azo averina arafitra mba ho azo adika amin'ny matoanteny "manoro hevitra" ny teny hoe "toroheviny." DH: "Hampisavaorovoro ireo izay manoro hevitra ny mpanjaka Aho"
Ireo dia olona milaza ho miresaka amin'ny maty.
Eto ny "tanana" dia maneho hery na fahefana. DH: "Hatolotro ho eo amin'ny fahefan'ny tompo masiaka ny Egyptiana"
Ny teny hoe "fanambarana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "izany no ambaran'ny Tompo, Yaveh tompon'ny maro"
"Ny ranomasina" no niantsoan'ny Egyptiana ny Reniranon'i Neily. Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. DH: "Ho ritra tanteraka ny Reniranon'i Neily"
"hasiso"
"hilatsaka"
Ny "volotara sy ny zozoro" dia ilazana karazana zava-maniry mitovitovy ihany. DH: "ireo zava-maniry manaraka ny moron'ny renirano dia ho faty sy ho lo"
"ireo saha akaikin'ny Neily izay nambolen'olona vokatra"
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny telo ireo. Raha ilaina, dia azo atao mazava ny antony halahelovan'izy ireo. DH: "Ireo mpanjono izay misaka trondro amin'ny fintana na harato dia hitomany ho very hevitra satria maty ny trondron'i Neily"
Mba hahazoana trondro, dia asian'olona hanina kely eo amin'ny fintana, dia afatony amin'ny tady ny fintana, ry atsipiny eny amin'ny rano. Rehefa mitady hihinana ilay hanina ny trondro, dia miraikitra amin'ilay fintana ny vavany ary sintinin'ilay olona hivoaka ny rano ilzy trondro.
Mba hahazoana trondro, ny olona sasany dia mamelatra harato eo amin'ny rano. Rehefa tratran'iny ny trondro, dia sintonin'izy ireo miaraka ami'ilay trondro hivoaka ny rano ilay harato.
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Raha ilaina, dia azo atao mazava ny antony mampahory azy ireo. DH: "ho afa-baraka ireo mpanao rongony fotsy miadinik'i Egypta satria tsy misy rongony"
"ireo izay mibango ny rongony"
Ny rongony dia zava-maniry naniry teny amin'ny moron'ny Reniranon'i Neily. Bangoin'ny olona ny kofehiny mba hanasaratsarahana izany, ary ampiasany hanaovana kofehin-drongony fotsy madinika.
"ho menatra"
"Ireo vahoakan'i Egypta manao lamba"
Ny fahatorotoroana dia ilazana ny fahakiviana. DH: "Ho kivy"
"hiasa ahazoana karama"
"halahelo mafy"
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Na mpanolotsaina hendry indrindran'i Farao ireo andrian'i Zoana, na izy ireo dia vaondron'olona hafa izay hita fa adala koa.
Io dia tanàna any avaratr'i Egypta.
Ampisain'Isaia io fanontaniana io mba hanesoana ireo olona any Egypta izay milaza ho hendry. DH: "Amin'ny fahadalana no hitenenanareo amin'i Farao... mpanjaka fahiny"
Ampisain'Isaia io fanontaniana io mba hanesoana ireo olon-kendry. Ny mpisolo-tena tampisaka "-nao" dia manondro an'i Farao. DH: "Tsy mba manana olon-kendry ianao" na "Adala ireo olon-kendrinao."
Maneho hevitra ambadika Isaia fa tokony ho afaka ahatakatra ny fikasan'Andriamanitra ireo olon-kendry, saingy tsy tena inoan'Isaia fa hendry tokoa izy ireo. DH: "Raha tena hendry ireny, dia ho afaka hilaza aminao izay kasain'i Yaveh mahakasika an'i Egypta"
Ny andrian'i Zoana sy Memfisa dia resahina toy ny hoe vato fehizoron'ny trano satria ireo no isan'ny olona lehibe eo amin'ny fiarahamonina. DH: "fa nanao an'i Egypta handeha amin'ny lalan-diso ireo mpitondra"
Zoana dia tanàna any avaratr'i Egypta. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 19:11.
Io dia tanàna any avaratr'i Egypta.
Ny teny hoe "Egypta" dia manondro ireo vahoakan'i Egypta. Ny fandehanana amin'ny lalan-diso dia ilazana ny fanaovana izay tsy mety. DH: "nanao ny vahoakan'i Egypta handeha amin'ny lalan-diso" na "namapano izay tsy mety ny vahoakan'i Egypta"
Ny fitsaran'i Yaveh dia resahin'Isaia toy ny hoe kapoakan-divay i Egypta. Ny fifandroritan'ny fanahin'izy ireo dia resahiny toy ny hoe rano izay nifangaro divay ny heviny izay mifangaroharo. DH: "Efa nitsara azy ireo tamin'ny fampifangaroharoana ny heviny Yaveh" na "Efa nitsara an'i Egypta tamin'ny fampifangaroharoana ny hevitry ny mpitondrany Yaveh, tahaka ny fampisavosavoroan'ny zava-pisotro mahery ny sain'ny olona"
"fisavorovoroana" na "fivadibadihana"
Eto ny mpisolo-tena tampisaka "-ny" dia manondro an'i Egypta. Matetika ny firenena dia resahina toy ny hoe vehivavy. DH: "teo Egypta"
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo mpitarika nofaritana tao amin'ny andininy teo aloha. Ny teny hoe "Egypta" dia maneho ny vahoakan'i Egypta. DH: "ireo andriana dia efa nitarika an'i Egypta tamin'ny lalan-tsy izy"
Ny fitondrana ny olona amin'ny lalan-diso dia ilazana ny fisarihana azy ireo hanao izay tsy mety.
Ny vahoakan'i Egypta izay manao ny tsy mety dia resahin'Isaia toy ny hoe natao nirenireny tahaka ny olona mamo.
Ny "loha" izay momban'ny tenan'ny biby izay tian'ny olona ahatongavana, dia maneho ny mpitarika. Ary ny "rambo" no mifanohitra amin'izany ary maneho ny olona izay manaraka. DH: "na mpitondra na mpanaraka"
Ny "sampan-drofia" ny maniry ambony eny amin'ny hazo ary maneho ny olona izay manan-karena sy ambony. Ny "volotara" dia maniry eny amin'ny rano marivo ary maneho ny olona mahatra sy ambany. Jereo ny nandikanao ny andian-teny mitovy amin'izany ao amin'ny 9:13. DH: "Na ambony na ambany" na "Na mpanan-karena na mahantra"
Io dia manamafy fa ny vahoakan'i Egypta dia hatahotra ary tsy afa-manoatra rehefa manafay azy ireo Andriamanitra.
Eto ny "tanana" dia maneho ny herin'Andriamanitra, ary ny fananganana ny tanana hanohitra azy ireo dia maneho famaizana azy ireo. DH: "satria nanangana ny tanany mahery hanafay azy ireo Yaveh tompon'ny maro"
Ny "tanin'i Joda" sy "Egypta" dia manondro ny vahoaka ao amin'ireo toerana ireo. Hivembena ireo Egyptiana satria matahotra. DH: "Hahatonga ny Egyptiana hivembena ny vahoakan'i Joda" na "Hahatonga ny Egyptiana hatahotra mafy ny vahoakan'i Joda"
Eto ny hoe "azy ireo" sy "izy ireo" dia manondro ireo Egyptiana ary hoe "azy" dia manondro ny vahoakan'i Joda. DH: "Na oviana na oviana no misy olona hampatsiahy ny Egyptiana momba ireo vahoakan'i Joda, dia hatahotra ireo Egyptiana"
Manondro ny vahoakan'ireo tanàna ireo io. DH: "hiteny ny vahoaka ao amin'ny tanàna Egyptiana dimy"
Io dia ilazana ny Hebreo, izay fitenin'ireo vahoakan'Andriamanitra ao amin'ny Tany Kanana. DH: "ny fitenin'ny vahoakan'i Kanana"
"mianiana tsy hivadika"
DH: "Hiantso ny iray amin'ireo tanàna ireo ny olona hoe"
Tsy mazava raha midika hoe "masoandro" na "fandravana" ny teny Hebreo hoe "Masoandro." Tsy mazava ihany koa izay ambaran'ilay anarana amintsika momba ilay tanàna. DH: "ilay tanàna antsoina hoe 'Tanànan'ny Masoandro"' na "ilay tanàna antsoina hoe 'Tanànan'ny Fandravana"'
Ny teny hoe "sisiny" dia manondro ny sisin'i Egypta. DH: "tsangam-bato ho an'i Yaveh eo amin'ny sisin'i Egypta"
Ny teny hoe "famantarana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny hoe "mampiseho" na "manaporofo." DH: "Ilay alitara dia ampiseho sy hanaporofo fa ao amin'ny tany Egypta Yaveh tompon'ny maro"
Yaveh ao amin'ny tany Egypta dia maneho ny vahoakan'i Egypta manompo Azy. DH: "fa manompo an'i Yaveh tompon'ny maro ny olona ao amin'ny tany Egypta"
"Rehefa mitomany ireo Egyptiana"
"satria mitondra azy amin'ny fomba lozabe ny olona" na "satria mampijaly azy ny hafa"
"handefa olona hanavotra sy hiaro ny Egyptiana Yaveh"
Azo atao mazava ho iza no hanafahan'Andriamanitra azy ireo.
Eto "Egypta" dia manondro ny vahoakan'i Egypta. DH: "Hataon'i Yaveh mahafantara Azy ny vahoakan'i Egypta"
"hanaiky ny marina momba an'i Yaveh"
Azo atao mazava hoe iza no ho tompoin'izy ireo. DH: "Hanompo an'i Yaveh ... izy ireo"
"hanao fampanantenana amin'i Yaveh ary hitana izany" na "hanao fampanantenana amin'i Yaveh izy ireo ary hanao izay nampanantenain'izy ireo hatao"
Eto "Egypta" dia manondro ny vahoakan'i Egypta. DH: "Hampahory ny vahoakan'i Egypta i Yaveh"
"hamely" na "hanafay"
Ny teny hoe "azy ireo" dia efa hay eto amin'ity andian-teny ity. DH: "mampahory ary manasitrana azy ireo"
Ny fifandraisan'ity andian-teny ity amin'ny andian-teny teo alohany dia azo atao mazava amin'ny teny hoe "aoriana" sy "ihany koa." DH: "ary aorian'ny hampahoriany azy ireo, dia hanasitra azy ihany koa Izy"
Ny lalam-be dia lalana midadasika izay andehanan'ny olona.
Ny "Asyriana" dia manondro olona avy any Asyria, saingy ilazana izay olona rehetra avy any Asyria izay mankany Egypta. DH: "Ho avy ny Asyriana"
Ny teny hoe "ho avy" dia efa hay eto. DH: "ary hoa avy any Asyria ny Egyptiana"
Io dia manondro ny olona avy any Egypta, saingy ilazana ny olona rehetra avy any Egypta izay mankany Asyria. DH: "Egyptiana"
Azo atao mazava hoe iza no ho tompoin'izy ireo. DH: "hanompo an'i Yaveh ny Egyptiana sy ny Asyriana"
Maneho ny vahoakan'ireo firenena ireo ny anaran'ireo firenena telo ireo. DH: "Ny Israelita no ho fahatelo miaraka amin'ny Egyptiana sy ny Asyriana"
Ireo mety ho heviny dia 1) "hikambana amin'i" na 2) "ho fitahiana fahatelo miaraka amin'i " na 3) "hitovy amin'i."
Ny anaran'ireo firenena telo ireo dia manondro ny vahoakan'ireo firenena ireo. DH: "Efa nitahy anao Aho, ry vahoakan'i Egypta, satria oloko ianao; ary nitahy anao Aho, ry vahoakan'i Asyria, satria Izaho no nahary anao; ary efa nitahy anao Aho, ry vahoakan'Israely, satria fananako azo antoka ianao"
Eto ny "tanana" dia ilazana ny herin'Andriamanitra sy ny asany.
1 Tamin'ny taona nahatongavan'i Tartana tao Asdoda, rehefa naniraka azy i Sargona mpanjakan'i Asiria, dia niady tamin'i Asdoda izy ary naka izany. 2 Tamin'izany fotoana izany i Yaveh dia niresaka tamin'Isaia zanaka lahin'i Amoza ary niteny hoe: "Mandehana ary esory ny lamba fisaonana eny amin'ny andilanao sy ny kapa eny an-tongotrao." Koa nataony izany, nandeha nitanjaka sy tsy nanao kapa. 3 Hoy Yaveh hoe: "Tahaka ny nandehanan'Isaia nitanjaka sy tsy nanao kapa nandritry ny telo taona, dia famantarana sy fambara mahakasika an'i Egypta sy mahakasika an'i Etiopia izany— 4 amin'izany fomba izany no hitarihan'ny mpanjakan'i Asyria ireo babon'i Egypta, sy ireo sesi-tanin'i Etiopia, tanora sy antitra, mitanjaka sy tsy manao kapa, ary miaraka amin'ny vody tsy mirakotra, ho amin'ny fahamenaran'i Egypta. 5 Hatahotra sy ho menatra izy ireo, satria nalain'i Etiopia ny fanantenan'izy ireo ary nalain'i Egypta ny voninahitr'izy ireo. 6 Amin'izany andro izany ny mponin'ireo sisin-tany ireo dia hilaza hoe: 'Loharan'ny fanantenanay tokoa izany, izay nandosiranay mba hila fanampiana ho voaavotra amin'ny mpanjakan'i Asyria, ary ankehitriny, ahoana no afahanay mandositra?'"
Anaran'ny lehiben'ny kaomandin'ny tafik'i Asyria io.
Anaran'ny mpanjakan'i Asyria io.
Asdoda dia entina ilazana ny tafik'i Asdoda. DH: "niady tamin'ny tafik'i Asdoda izy ka nandresy izany"
"mandehandeha tsy miankanjo sy tsy mikapa." Ny teny hoe "nitanjaka" dia mety ilazana ny fanaovana ny atin'akanjo fotsiny.
"sy fampitandremana"
Manondro ny vahoakany ireo anaran-toerana ireo. DH: "mahakasika ny vahoakan'i Egypta sy mahakasika ny vahoakan'i Etiopia"
Mibaiko ny tafiny hanao io asa io ny mpanjaka. DH: "hasain'ny mpanjakan'i Asyria hitondra ireo babo ny tafiny"
Azo atao mazava tsara fa hanafika aloha izy ireo ary hambabo ny olona. DH: "hanafika an'i Egypta sy Etiopia ary hambabo ny vahoakany ka hitondra azy ireo"
Eto "Egypta" dia manondro ny vahoakan'i Egypta. DH: "izay hitondra henatra eo amin'ny vahoakan'i Egypta"
"hatahotra sy halana baraka"
Ny fanantenana sy voninahitra dia ilazana ny fatokian'izy ireo ny herin-tafik'ireo firenenana ireo. DH: "satria natoky ny herin-tafik'i Etiopia sy Egypta izy ireo"
Ireo vahoaka izay monina ao amin'ny tany manamorona ny Ranomasina Mediteraneana.
DH: "izay nandosiranay mba hamonjen'izy ireo anay"
Ampiasain'ny mpanoratra io fanontaniana io mba hanindriana fa tena efa tsy misy hevitra ny toe-javatra andalovan'izy ireo. DH: "Ankehitriny dia tsy misy lalana handosiranay!"
1 Fanambarana momban'ny tany efitra amoron-dranomasina. Tahaka ny tadio mamakivaky an'i Negeva no hiavian'izany mandalo avy any an'efitra, avy any amin'ny tany loza. 2 Fahitana mahatsiravina no nomena ahy: ilay lehilahy mpamitaka dia namitaka, ary ny mpandrava dia nandrava. Miakara ary tafio, ry Elama; ataovy fahirano, ry Mediana; hampitsahatra ny tarainany rehetra Aho. 3 Noho izany dia feno fanaintainana ny valahako; fanaintainana tahaka ny fanaintainan'ny vehivavy miteraka no namatotra ahy; niankohoka noho ilay zavatra reko aho; nikorontana tamin'ny zavatra hitako aho. 4 Torotoro ny foko, mangovitry ny tahotra aho. Ny hariva, fotoana ankafiziko anatin'ny andro, dia nitondra horohoro ho ahy. 5 Nanomana ny latabatra izy ireo, novelarin'izy ireo ny lamba firakotra ka nihinana sy nisotro; mitsangàna, ry andriandahy, osory diloilo ny ampinganareo. 6 Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko hoe: "Mandehana, mametraha lehilahy mpiambina iray; tsy maintsy mitatitra izay hitany izy. 7 Rehefa mahita kalesy, mpitaingi-tsoavaly roa, mpitaingina boriky, ary mpitaingina kamela izy, dia tokony handinika sy ho mailomailo." 8 Nitaraina ilay lehilahy mpiambina hoe: [1] "Ry Tompo, teo amin'ny tilikambo fihambenana aho dia nijoro nandritry ny iray andro tontolo, isan'andro, ary teo amin'ny toeram-pitiliko no nijoroko nandritry ny alina manontolo." 9 Indro tamy ny kalesy iray miaraka amin'ny lehilahy iray sy mpitaingin-tsovaly roa. Niantso mafy izy nanao hoe: "Efa rava Babylona, rava, ary ireo sary vongan'ny andriamaniny rehetra dia potika amin'ny tany." 10 Ry novelesina sy nosivaniko, zanaky ny trano fitotom-bariko! Izay reko tamin'i Yaveh tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'Israely, efa nambarako taminareo. 11 Fanambarana momban'i Edoma. Nisy iray niantso ahy avy any Seira hoe: "Ry mpiambina, rahoviana no hifarana ny alina? Ry mpiambina, rahoviana no hifarana ny alina? 12 Hoy ilay mpiambina hoe: "Ho avy ny maraina ary ny alina ihany koa. Raha maniry ny anontany ianao, dia manontania; ary miverena indray." 13 Fanambarana momban'i Arabia. Any amin'ny tany efitr'i Arabia no andanianareo ny alina, ry andian-Dedanita. 14 Mitondrà rano ho an'ny mangetaheta; ry mponina ao amin'ny tanin'i Tema, tsenao amin'ny mofo ireo mpitsoaha-ponenana. 15 Fa izy ireo dia nandositra ny sabatra, tamin'ny sabatra voarendrika, tamin'ny tsipika voahenjana, ary tamin'ny vesatry ny ady. 16 Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko hoe: "Ao anatin'ny taona iray, tahaka ny hitan'ny mpiasa tany nokaramaina mandritry ny taona, dia hifarana ny voninahitr'i Kedara rehetra. 17 Mpandefa tsipíka, lehilahy mpiadin'i Kedara vitsy sisa no ho tavela," satria Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, no efa niteny.
"Izao no ambaran'i Yaveh" na "Izao no hafatr'i Yaveh"
Io dia entina ilazana ireo olona monina ao Babylona ho toy ny monina any an-tany efitra, na dia mbola tsy nataon'Andriamanitra ho tany efitra aza izany. Hiseho tokoa izany tranga izany. DH: "momba ireo olona izay monina any amin'ny tany izay ho lasa tany efitra tsy ho ela"
Ampitahain'Isaia amin'ny tafiotra misy rivo-mahery ny ny tafika izay hanafika. Ho faingana sady mahery izy ireo.
Eto ny "efitra" dia manondro ny efitr'i Jodia.
Avy any amin'ny tany izay mampitahotra be ilay tafika.
"Nampiseho fahitana mahatsiravina ahy Yaveh"
"hamitaka ireo mpamitaka''
Tao amin'ilay fahitana nomena an'Isaia, dia miresaka amin'ny tafik'i Elama sy Media toy ny hoe mihaino Azy Yaveh.
Efa hay eto fa tokony hanafika an'ireo Babyloniana izy ireo. DH: "Miakara ary andeha manafika ny Babyloniana, ianareo ry miaramilan'i Elama; mandehana ka ataovy fahirano ireo Babyloniana, ry miaramilan'i Media"
Ny hoe Elama sy Mediana eto dia ilazana ireo miaramila avy amin'ireo toerana ireo.
Eto ny mpisolo-tena tampisaka "-ny" dia maneho ireo olona rehetra izay mijaly nohon'ny amin'ireo Babyloniana. Hahatonga azy ireo hitsahatra tsy hitaraina Yaveh rehefa mandefa ny tafik'i Elama sy Media handripaka ireo Babyloniana Izy.
Mampahory tokoa ny fahitana izay hitan'Isaia hany ka mahatonga fanaintainana ara-batana ho azy. Eto izy dia mamaritra ny fanaintainana sy ny hozatra mifandrirotra eo amin'ny faritra afovoan'ny vatany.
Mampitaha ny fanaintainany amin'ny fanaintainan'ny vehivavy miteraka Isaia. Izany dia manamafy ny fanaintainana mafy izay tsapany.
DH: "Nahatonga ahy hitanodrika nohon'ny fanaintainana izay reko"
DH: "nampikorontana ahy mafy izay hitako"
"Midobodoboka mafy ny foko sady mangovitra aho"
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo mpitarik'i Babylona.
Eto ny hoe "latabatra" dia ilazana ny sakafo izay hohanin'ny olona amin'ny fety.
Eto ny hoe "andriana" dia manondro ny lehilahy manam-pahefana amin'ny ankapobeny fa tsy voatery ho zanaka mpanjaka.
Nasian'ny miaramila menaka ny ampinga hoditr'izy ireo mba halefaka hatrany ary tsy hitresaka an'ady.
"asaivo mijoro eo amin'ny mandan'i Jerosalema ny mpiambina iray"
"miaramila mitaingina kalesy, soavaly roa mitarika izany"
Eto ny hoe "tompo" dia ilazana ny olona manam-pahefana izay mibaiko ny mpiambina hitsangana eo amin'ny mandan'i Jerosalema.
Babylona resin'ny fahavalony tanteraka dia resahina toy ny hoe rava. Eto "Babylona" dia fibangoan-teny ilazana ny vahoakan'i Babylona. DH: "Resy tanteraka ny vahoakan'i Babylona"
Ny teny hoe "rava" dia averina indroa mba hanindriana fa resin'ny fahavalony tanteraka ireo vahoakan'i Babylona.
Ny vahoakan'Israely mijaly nohon'ny amin'ireo Babyloniana dia resahina toy ny hoe vary izay novelezina sy nosivanina.
Ny mpisolo-tena tampisaka "-ko" dia manondro an'Isaia.
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 1:9 io.
"Izao no ambaran'i Yaveh" na "Izao no hafatr'i Yaveh"
Io dia anarana hafa ilazana an'i Edoma. Eto "Doma" dia manondro ny vahoaka monina ao. DH: "momba ny vahoakan'i Doma" na "momba ny vahoakan'i Edoma"
Eto ny hoe "ahy" dia manondro an'Isaia.
Anaran-tendrombohitra andrefan'i Edoma io.
Averina indroa io mba hanindriana fa mitaintaina sy miahiahy ilay olona mametra-panontaniana.
"Anontanio amiko izao izay tianao ho fantatra, fa miverena ihany koa rehefa kelikely dia manontania indray"
"Izao no ambaran'i Yaveh" na "Izao no hafatr'i Yaveh"
Arabia dia manondro ny vahoakan'i Arabia. DH: "momba ny vahoakan'i Arabia"
Tsy manana ala i Arabia. DH: "Lavitra ny lalana any Arabia" na "any amin'ny kirihitr'i Arabia"
vondron'olona miara mandeha
Vondron'olona nonina tany Arabia izany.
Anaran-tanàna any Arabia izany.
Ny mpitsoa-ponenana dia olona izay mandositra mba tsy ho azon'ny fahavalony. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 15:5.
Eto ny "mofo" dia ilazana ny sakafo amin'ny ankapobeny.
Eto ny "sabatra" sy ny "tsipika" dia ilazana ny miaramila izay nanafika ny mponin'i Tema. DH: "tamin'ny fahavalony izay nanafika azy ireo tamin'ny sabatra sy tsipika "
Ny horohoro sy fijaliana izay iainana mandritra ny ady lehibe dia resahina toy ny hoe vesatra eo amin'ny olona ilay ady. DH: "tamin'ny horohoron'ny ady"
"araka ny fanisan'ny mpiasa nokaramaina ny andro mandritra ny taona." Ny mpiasa karamaina dia mitandrina tsara mba hanisa ny andro mba hifanaraka tsara amin'ny fotoana izay hanakaramana azy hiasa izany. Izany dia midika fa ho resy i Kedara ao anatin'ny iray taona katroka.
Faritra any Arabia io. Kedara dia ilazana ny mponin'i Kedara. DH: "mpiadin'ny vahoakan'i Kedara"
1 Fanambarana mahakasika ny Lohasahan'ny Fahitana: Inona no antony nandehananareo rehetra ho any amin'ireo tampon-trano? 2 Ny mba hahenonareo ny tanàna feno tabataba ve, tanàna izay feno firavoravoana? Ny maty eo aminao dia tsy matin'ny sabatra, ary tsy maty tamin'ny ady izy ireo. 3 Ireo mpanapaka anao rehetra niara-nitsoaka, fa voababo tsy nampiasana zana-tsipika izy ireo; izy rehetra dia voababo niaraka, na dia nandositra lavitra aza izy ireo. 4 Noho izany dia hoy aho hoe: "Aza mijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; aza miezaka hampionona ahy mahakasika ny faharavan'ny zanaka vavin'ny oloko." 5 Fa misy ny andron'ny tabataba, fanosihosena, ary fifanjevoana ho an'ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro, ao amin'ny Lohasahan'ny Fahitana, faharavan'ireo mandà, ary ny olona miantsoantso mafy any amin'ireo tendrombohitra. 6 Elama naka ny tranon-jana-tsìpaka, niaraka tamin'ny kalesin'ireo lehilahy sy ireo mpitaingin-tsoavaly ary Kira nanala ny fonon'ny ampinga. 7 Fa ireo lohasaha izay nofidinao indrindra dia ho feno kalesy, ary ireo mpitaingin-tsoavaly dia haka ny toerany eo am-bavahady. 8 Nanala ny fiarovan'i Joda Izy; ary tamin'izany andro izany ianao dia nijery ireo fitaovam-piadina eo amin'ny Lapan'ny Ala. 9 Nahita ny bangan'ny tanànan'i Davida ianareo, fa maro ireo, ary nanangona ny ranon'ny dobo ambany ianareo. 10 Nanisa ny ankohonan'i Jerosalema ianareo, ary nandrodana ireo trano mba hanamafisana ny mànda. 11 Namboatra fitahirizana teo anelanelan'ireo mànda roa ianareo ho an'ny ranon'ny dobo tranainy. Fa tsy mba nihevitra ny mpamorona ny tanàna ianareo, izay nanomana izany hatry ny ela. 12 Tamin'izany andro izany ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro niantso fitomaniana, fisaonana, fiaratan-doha, ary fanaovana akanjo fisaonana. 13 Fa indro, kosa, ny fankalazana sy ny fifaliana, ny famonoan'omby sy ny famonoan'ondry, fihinan-kena sy fisotroan-divay; aoka isika hisotro sy hihinana, fa ho faty isika rahampitso. 14 Izao no nambaran'i Yaveh Tompon'ny maro teo an-tsofiko: "Eny tokoa fa tsy havela izany helokareo izany, eny fa na dia ho faty aza ianareo," hoy ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro. 15 Ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro, nilaza izao: "Mandehana mankany amin'ny mpitandrin-draharaha, any amin'i Sebna, izay manapaka ny trano, ary lazao hoe: 16 'Inona no ataonao eto ary iza no nanome alalana anao handavaka fasana ho an'ny tenanao, hanamboatra fasana eny ambony sy handavaka toerana fialana sasatra eny amin'ny vatolampy?'" 17 Indro, Yaveh efa hanipy anao, ry lehilahy mahery, hanipy anao ho ambany; hanitsakitsaka anao mafy tokoa Izy. 18 Hanakodiadia anao tokoa Izy, ary hampisamboaravoara anao ho toy ny baolina makany amin'ny tany malalaka. Any no hahafatesanao, ary ho any koa ireo kalesin'ny voninahitrao; ho tonga henatra ho an'ny tompon'ny tranonao ianao! 19 "Ho roahiko hiala eo amin'ny raharahanao sy ny toeranao ianao. Haongana ianao. 20 Amin'izany andro izany Aho dia hiantso an'i Eliakima mpanompoko zanaka lahin'i Hilkia. 21 Hampiakanjoako amin'ny akanjo lavanao izy ary hasiako ny fehin-kibonao, ary hafindrako ho eo an-tanany ny fahefanao. Ho rain'ny mponin'ny Jerosalema sy ny ankohonan'ny Joda izy. 22 Hapetrako eo an-tsadriny ny fanalahidin'ny ankohonan'ny Davida; hamoha izy, ary tsy hisy hanidy; hanidy izy, ary tsy hisy hamoha. 23 Hampitoeriko izy, toy ny fihantonan-javatra amin'ny toerana azo antoka, ary ho tonga toeram-boninahitra ho an'ny ankohonan-drainy izy. 24 Hahanton'izy ireo aminy ny voninahitry ny ankohonan-drainy rehetra, ny zanany sy ireo taranany, ny fanaka bitika rehetra avy amin'ireo kapoaka hatramin'ny tavoara rehetra. 25 Amin'izany andro izany_ izao no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro_ ho esorina ilay fihantonan-javatra amin'ny toerana mafy orina, ho potehina ary ho lavo, ary ny lanja amin'izany dia ho tapahina_ fa Yaveh no niteny.
"Izao no ambaran'i Yaveh" na "Izao no hafatr'i Yaveh"
Eto ny hoe "Lohasaha" dia ilazana ireo izay monina ao amin'ilay lohasaha, izany hoe, Jerosalema. DH: "mahakasika ireo izay monina ao amin'ny Lohasahan'ny Fahitana" na "mahakasika ireo izay monina ao Jerosalema"
Mampiasa fanontaniana Isaia mba hibedesana ny vahoakan'i Joda. DH: "Tsy tokony handeha ka hijoro eny an-tampon-tranonareo ianareo"
"vohitra feno olona mankalaza"
DH: "Tsy namono ny vahoakanareo ny miaramila fahavalo"
Ny teny hoe "sabatra" dia ilazana ireo miaramila izay miady any an'ady.
DH: "saingy tratran'ny fahavalo ny mpanapaka anareo izay tsy nitondra zana-tsipika akory"
DH: "tratran'ny fahavalo izy ireo ka niara-nobaboiny"
Eto ny hoe "aho" dia manondro an'Isaia.
Eto ny "zanaka vavy" dia ilazana ny vahoaka ary misy hevitra ambadika momba ny fitiavan'Isaia azy ireo. DH: "ny oloko izay tiako" na "ny oloko"
Eto ny "andro" dia manondro fe-potoana lavalava kokoa. DH: "Fa hisy fotoana"
"izay hampisian'i Yaveh tompon'ny maro fikorontanana, fanosihosena, ary fisavorovoroana"
Ireo mety ho heviny dia 1) io dia ilazana ny miaramila manao diabe, na 2) mihazakazaka am-pikorontanana ny olona ary tsy mahalala izay haleha akory.
Manondro an'i Jerosalema io. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 22:1.
Ireo mety ho heviny dia 1) "handre ny antsoantsony ny olona any an-tendrombohitra" na 2) "hanakoako eny an-tendrombohitra ny antsoantson'ny olona"
Ny tranon-jana-tsipìka dia kitapo kely hitondrana zana-tsipìka ary entina ilazana ny fitaovam-piadian'ilay mpandefa zana-tsipìka. DH: "Maka ny lefony sy ny zana-tsipìkany ny miaramilan'i Elama"
Eto "kira' dia ilazana ireo miaramila. DH: "haka ny ampingany hiala amin'ny fonony ireo miaramilan'i Kira"
Kira dia tanàna any Media.
Eto ny mpisolo-tena tampisaka "-nao" dia manondro ny vahoakan'i Jerosalema. Tsy ampidirin'Isaia ho isan'ny vahoakan'i Jerosalema ny tenany. DH: "ny lohasahatsika tsara indrindra"
Manohy mamaritra ny fotoana amin'ny ho avy izay hanafihan'ny tafika iray ny vahoakan'i Jerosalema Isaia. Azo adika amin'ny filazana ny ho avy ny matoanteny manondro ny lasa.
Ny teny hoe "fiarovana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "Ho esorin'i Yaveh ny zavatra rehetra izay niaro ny vahoakan'i Joda"
Eto ny andian-teny hoe "nijery ireo" dia midika fatokiana zavatra iray. DH: "mba hiarovana ny tenanareo dia haka fitaovam-piadiana ianareo"
Io dia ampahany tamin'ny tempolin'i Jerosalema izay nampiriman'izy ireo ny fitaovam-piadiana.
Hitahiry rano ny olona mba hanana ampy ho sotroina rehefa mihodidina ny tanàna ny fahavalony.
Manohy mamaritra ny fotoana amin'ny ho avy izay hanafihan'ny tafika iray ny vahoakan'i Jerosalema Isaia.
Eto ny hoe "nanisa" dia midika hoe nanara-maso ireo trano mba hahitana fitaovana hanampy azy ireo hamerina hanangana ny mandan'ny tanàna.
"Nanao toerana fitehirizana"
Tsy mazava izay manda roa tian'Isaia nolazaina. Ny hevi-dehibe dia nanangana ilay fitehirizana tao anatin'ny mandan'ny tanàna izy ireo.
Manondro an'i Yaveh io.
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 1:9.
Mariky ny fisaonana sy fibebahana izany.
Eto ny hoe "hisotro sy hihinana" dia ilazana ny fanaovana fety ary manara-po amin'ny hanina sy divay. DH: "afaka mifaly amin'ny fihinanana sy fisotroana izay rehetra tiantsika ihany koa isika izao, fa ho faty tsy ho ela isika"
Eto ny "sofina" dia manondro an'Isaia manontolo. DH: "Izao no nambaran'i Yaveh tompon'ny maro tamiko"
DH: "Tsy hamela anareo nohon'ny amin'ireo zavatra feno fahotana izay nataonareo tokoa Aho, na dia ho faty aza ianareo"
Ireo mety ho heviny dia 1) Tsy hamela azy ireo mihitsy Yaveh, na dia aorian'ny ahafatesan'izy ireo aza, na 2) tsy hamela azy ireo Yaveh mandra-pahafatin'izy ireo.
Io no anaran'ny mpitandrin-draharahan'ny lapan'ny mpanjaka tao Jerosalema.
Eto ny "trano" dia ilazana ireo izay ao amin'ny lapan'ny mpanjaka. DH: "Ireo izay misahana ireo rehetra miasa ao an-dapa"
Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hibedesana an'i Sebna. DH: "Tsy manan-jo ... vatolampy ianao!"
Ireo andian-teny telo ireo dia ilazana ny fasana fandevanana avokoa.
Ireo olona ambony indrindra tao Israely dia nanana fasana teny amin'ny toerana avo indrindra.
Milaza ny hafatr'Andriamanitra amin'ny Sebna hatrany Isaia.
Ny tafika fahavalo izay tonga ka maka an'i Sebna ho babo ho an'ny amin'ny tany vahiny dia resahina toy ny hoe manipy azy tahaka ny baolina ho any amin'ny tany hafa Yaveh.
Eto ny "trano" dia ilazana ireo olona izay miasa ao amin'ny lapan'ny mpanjaka. DH: "hahatonga henatra ho an'ireo rehetra izay ao an-tranon'ny lapan'ny tomponao ianao"
Ny ataon'i Yaveh mba tsy hiasan'i Sebna ao amin'ny lapan'ny mpanjaka intsony dia resahina toy ny hoe manongana azy amin'ny tany Yaveh.
DH: "Haongako amin'ny toeram-boninahitrao ianao"
Milaza ny hafatr'Andriamanitra amin'ny Sebna hatrany Isaia.
Eto ny "andro" dia ilazana ny fe-potoana amin'ny ankapobeny.
Anaran-dehilahy ireo.
Ny ataon'i Yaveh mba hakan'i Eliakima ny toeran'i Sebna ao amin'ny lapan'ny mpanjaka dia resahina toy ny hoe hampiakanjo an'i Eliakima amin'ny akanjpn'i Sebna Yaveh, izay maneho ny fahefany ao amin'ny lapan'ny mpanjaka.
Eto ny akanjo lava sy ny samboady dia maneho fahefana ao amin'ny lapan'ny mpanjaka.
Io dia tapa-damba izay anaovan'ny olona manodidina ny valahana na misadika eo amin'ny tratra. Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 3:18 io.
Eto ny "tanana" dia ilazana ny hery na fahefana. DH: "aminy"
Ny fiahian'i Eliakima sy ny fiarovany ny vahoakan'i Joda dia resahina toy ny hoe ho rainy izy. DH: "ho tahaka ny rain'ny"
Eto ny "ankohonana" dia ilazana ny olona. DH: "vahoakan'i Joda''
Eto ny "fanalahidy" dia ilazana ny fahefana. Ny fananan'i Eliakima fahefana izay tsy azon'iza na iza toherina dia resahina toy ny hoe afaka manidy na mamoha varavarana izy. DH: "Hataoko miandraikitra an'ireo izay miasa ao amin'ny lapan'ny mpanjaka izy, ary rehefa manapa-kevitra izy dia tsy hisy afaka hanohitra azy"
Manohy mamaritra an'i Eliakima, izay hisolo ny toeran'i Sebna ao amin'ny lapan'ny mpanjaka Yaveh.
Ny ataon'i Yaveh mba hahatonga ny fahefan'i Eliakima hatanjaka sy ho azo antoka ao amin'ny lapan'ny mpanjaka dia resahina toy ny hoe ketoka i Eliakima ary hametraka azy hitsatoka mafy eo amin'ny rindrin'ny lapa Yaveh.
DH: "hitondra voninahitra ho an'ny fianakaviany i Eliakima"
Eto ny "ankohonana" dia ilazana ny fianakaviana. DH: "ny fianakavian-drainy" na "ny fianakaviany"
Ny ataon'i Yaveh mba hahatonga ny fianakavian'i Eliakima manontolo homem-boninahitra nohon'ny amin'i Eliakima dia resahina toy ny hoe ketoka eo amin'nny rindrina i Eliakima ary ny fianakaviany dia zavatra izay mihantona amin'ilay ketoka. DH: "Hanome voninahitra ny fianakaviany manontolo nohon'ny aminy izy"
Ity dia manohy ny firesahana an'i Eliakima ho toy ny ketoka. Ny taranany dia ho tahaka ny kapoaka izay mihantona eo amin'ilay ketoka. Midika izany fa ny taranany dia homem-boninahitra nohon'ny aminy.
Ny kapoaka dia fitoera-javatra kely asiana rano. Ny tavoara dia fitoeran-javatra lehibe kokoa asiana rano.
Ity no manohy ny sarinteny tao amin'ny andininy teo aloha. (Jereo ny 22:23)
Eto ny "andro" dia ilazana ny fe-potoana amin'ny ankapobeny. DH: "Amin'izany fotoana izany"
Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 14:21.
Ny ataon'i Yaveh mba hahatonga an'i Sebna hamoy ny fahefany ao amin'ny lapan'ny mpanjaka dia resahina toy ny hoe ketoka eo amin'ny rindrina izay mitresaka ka milatsaka amin'ny tany i Sebna. Izany dia manamafy fa nihevitra ny fahefany ho mafy orina i Sebna saingy hanala azy Andriamanitra.
eto ny "lanja" dia ilazana ny hery sy fahefan'i Sebna. Izany dia resahina toy ny hoe zavatra mihantona amin'ilay ketoka, izay maneho an'i Sebna. Ny ataon'i Yaveh mba hamoizan'i Sebna ny hery sy fahefany dia resahina toy ny hoe misy olona manapaka ny zavatra izay nihantona teo amin'ilay ketoka.
1 Ny fanambarana momba an'i Tyro: Midradradradrà, ianareo ry sambon'i Tarsisy; fa tsy misy na trano na seranana; avy tao amin'ny tanin'i Sipra no nanambarana izany tamin'izy ireo. [1]2 Mangìna, ianareo ry mponin'ny morontsiraka; fa ny mpivarotra ao Sidona, izay miatsambo amin'ny ranomasina, dia efa nameno anareo. [2] "Mangìna, ianareo ry mponin'ny morontsiraka, dia ireo mpivarotra ao Sidona, izay miatsambo ambonin'ny ranomasina, dia efa nameno anareo" na "Mangìna, ianareo ry mponin'ny moron-tsiraka sy ianareo mpivarotra ao Sidona izay nofenoin'ireo izay miatsambo ambonin'ny ranomasina'" 3 Teo ambonin'ireo rano lehibe no nisy ny varin'i Sihora, ny vokatr'i Neily no vokany; ka tonga varotra ho an'ireo firenena izany. 4 Aoka ho menatra, ry Sidona; fa efa niteny ny ranomasina, dia ilay mahery amin'ny ranomasina. Hoy izy: "Tsy mbola nihetsi-jaza aho na niteraka, na nanangana zatovolahy na nitaiza zatovovavy." 5 Ka rehefa tonga any Egypta ny tatitra, dia halahelo mahakasika an'i Tyro izy ireo. 6 Miampità an'i Tarsisy; midradradradrà, ianareo ry mponin'ny morontsiraka. 7 Moa ve nitranga taminao izany, ry tanàna faly, izay avy amin'ireo fotoana taloha no niandohany, izay nentin'ny tongony lavitra any amin'ireo toerana vahiny mba hitoerana? 8 Iza no nikasa izany hanoherana an'i Tyro, ilay mpanome ireo satro-boninahitra, izay ny mpivarotra dia andrian-dahy, izay ny mpanakalo dia ireo olona manam-boninahitra amin'ny tany? 9 Yaveh Tompon'ny maro efa nikasa izany mba hanala baraka ny fiavonavonany sy ny voninahiny rehetra, mba hampamenatra ireo olony manam-boninahitra rehetra amin'ny tany. 10 Asao ny taninao, tahaka ny iasan'ny olona an'i Neily, ry zanakavavin'i Tarsisy. Tsy misy tsena intsony ao Tyro. [3]11 Efa naninjitra ny tanany teo ambonin'ny ranomasina Yaveh, ary efa nanozongozona ireo fanjakana Izy; efa nanome baiko nahakasika an'i Fenisia, mba handrava ireo fiarovana mafy Izy. 12 Hoy Izy: "Tsy hifaly intsony ianao, ry virijiny ory zanakavavin'i Sidona; mitsangàna; miampità ho any Sipra; nefa na dia any aza dia tsy hanam-pitsaharana ianao." 13 Jereo ny tanin'ireo Kaldeana. Efa tsy nisy intsony ireo vahoaka tao; efa nanao izany ho efitra ho an'ireo bibidia ireo Asyriana. Efa nanangana ireo tilikambony izy ireo; noravainy ireo lapan'izany; nataony ho antontam-paharavana izany. 14 Midradradradrà, ianareo ry sambon'i Tarsisy; fa efa noravana ny fialofanareo. 15 Amin'izany andro izany, dia ho adino mandritra ny fito taona i Tyro, tahaka ireo andron'ny mpanjaka. Aorian'ny faran'ny fito taona dia hisy zavatra tahaka ny ao amin'ny hiran'ny mpijangajanga hitranga ao Tyro. 16 Makà harpa, mandehandehana any amin'ny tanàna, ianao ry mpijangajanga nohadinoina; tendreo tsara izany, mihirà hira maro, mba ho tsaroana ianao. 17 Ary aorian'ny fito taona, dia hamonjy an'i Tyro Yaveh, ka hanomboka hitady vola amin'ny fanaovana ny asan'ny mpijangajanga indray izy, ary hiasa ho an'ny fanjakan'ny tany rehetra. 18 Hatokana ho an'i Yaveh ny tombony sy ny fananany. Tsy ho tehirizina na ho angonina ao amin'ny firaiketana ireo, fa ny tombony dia homena ireo izay mitoetra eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh ary ho ampiasaina mba hamatsy azy ireo amin'ny sakafo tondraka sy mba ahafahan'izy ireo mahazo ny akanjo tsara kalitao indrindra.
Manohy milaza izay nitsaran'Andriamanitra ny firenena tao amin'ny 13:1-23:18 Isaia.
"Izao no ambaran'i Yaveh momba an'i Tyro"
Eto ny "sambo" dia ilazana ny olona ao anatin'ilay sambo. Ny olona antin'ireo sambon'i Tarsisy dia resahin'Isaia toy ny hoe afaka mandre azy. DH: "Miantsoantsoa amin'ny fahaverezan-kevitra ry lehilahin'ny sambon'i Tarsisy"
faritry ny ranomasina izay akaiky tanety ary azo antoka ho an'ny sambo
DH: "nandre momba an'i Tyro ireo lehilahy fony tany amin'ny tanin'i Kyprosy"
Resahin'Isaia toy ny hoe mandre azy ireo ny vahoakan'ny morontsiraka.
Fomba fiteny io. Eto ny fahanginana dia natao mba hanehoana fahatairana na fahagagana. DH: "Aoka ho taitra"
Ny "morontsiraka" dia ny tany manakaiky na manodidina ny ranomasina na ranomasim-be. Eto izany dia manondro ireo vahoaka izay monina ao Fenisia izay manamorona ny ranomasina Mediteraneana.
Eto ny "mpivarotra"dia midika "mpivarotra maro." DH: ïreo mpivarotrí Sidona, izay mandeha an-dranomasina, dia efa nampanan-karena anareo"
Sihora dia anarana lohasaha iray akaikin'ny Reniranon'i Neily ao Egypta izay fantatra amin'ny famokarany voa. DH: "Namakivaky ny ranomasina lehibe ireo lehilahy mba hitatitra ny vary avy any Silora any Egypta.''
Nojinjaina teo akaikin'ny reniranon'i Neily ireo vary ary notanterina teny amin'ny renirano ary avy eo nankany Fenisia.
Ny raharaham-barotra dia ny fividianana sy fivarotana vokatra. Eto ny "firenena" dia ilazana ny olona. DH: "tany amin'izay nandehanan'ny olona mba hivarotra sy hividy vokatra no nisy anareo"
Ireo mety ho heviny dia 1) Mamaritra ny tanànan'i Tyro ho reny izay miresaka momba ny olona izay monina ao amin'ilay tanàna ho zanany Yaveh, na 2) Mamaritra ny Ranomasina Mediteraneana ho miteny i Yaveh. Noraisin'ireo vahoakan'i Tyro ho andriamaniny sy rainy ny ranomasina. Na amin'ny heviny iray na amin'ny hafa dia malahelo ilay miteny satria ripaka ireo zanany.
"Zory makany Tarsisiy ny dianao." Tarsisy dia iray amin'ireo tany lavitra indrindra izay nandehanan'ireo vahoakan'i Tyro mba hanaovana fandraharahana. Io ihany no ho toerana azo antoka ho an'ireo izay nandositra an'i Tyro.
Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hanesoana an'i Tyro. Azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra io fanontaniana fampisainana io. DH: "Nitranga taminareo tokoa izany fony ianareo feno hafaliana tao amin'ny tanànan'i Tyro fahiny ... mba hitoetra.''
Eto ny ''tanàna" dia ilazana ny vahoaka. DH: "ireo vahoaka ravoravo izay monina ao amin'ny tanànan'i Tyro"
Eto ny "tongotra" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "izay nandeha tany amin'ny toerana lavitra mba honina sy hahazo vola"
Mampiasa fanontaniana Isaia mba hanesoana an'i Tyro. Ny teny hoe "izany" dia ilazana ny fikasan'Andriamanitra handrava an'i Tyro izay nofaritan'Isaia tao amin'ny 23:1-7. Ary koa, "Tyro" dia manondro ireo vahoaka izay monina ao Tyro. Azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra io fanontaniana fampisainana io. DH: "Yaveh no nikasa handringana ny vahoakan'i Tyro ... tany ireo mpanakalony"
Eto ny "satro-boninahitra" dia ilazana ny fahefana izay ananan'ny olona iray amin'ny olona. DH: "izay manome fahefana hanapaka eo amin'ny hafa"
Ampitahaina amin'ny andrian-dahy ireo mpivarotra mba hanindriana ny haben'ny fahefana izay nananan'izy ireo rehefa nankany amin'ny tany samihafa. DH: "izay tahaka ny andrian-dahy ny mpivarony"
DH: "izay omen'ny olona ny haja ambony indrindra ny mpanakalony"
"mba hanalana baraka azy ireo satria miavonavona nohon'ny amin'ny vninahiny ihany izy ireo"
Eto ny mpisolo-tena tampisaka "-ny" dia ilazana ny tanànan'i Tyro izay ilazana ny vahoaka izay monina ao. DH: "fiavonavonan'izy ireo ... ny voninahitr'izy ireo ... ireo olony manam-boninahitr'izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) Asain'Isaia manomboka mamboly voly ireo vahoakan'i Tarsisy satria tsy afaka mivarotra amin'i Tyro intsony rahateo izy ireo, na 2) Milaza amin'ny vahoakan'i Tarsisy Isaia fa afaka amin'ny fifehezan'i Tyro izy ireo. DH: "Iampitao tahaka ny renirano ny taninareo, ry zanaka vavin'i Tarsisy. Tsy manam-pahefana intsony ireo vahoakan'i Tyro"
Ny "zanakavavin'ny" tanàna iray dia ilazana ny vahoakan'ilay tanàna. DH: "ny vahoakan'i Tarsisy" na "ireo olona izay monina ao Tarsisy"
Ny fampiasan'i Yaveh ny fahefany hifehezana ny ranomasina sy ny olona avy amin'ny fanjakana mahery dia resahina toy ny hoe naninjitra ny tanany ka nanozongozona ilay fanjakana Izy.
Eto ny "tanana" dia ilazana ny hery sy fahefan'Andriamanitra. DH: "nampiseho ny heriny teo amin'ny ranomasina"
Eto ny "zanaka vavy virjiny" dia ilazana ny vahoakan'i Sidona. DH: "ry vahoakan'i Sidona, satria hampahory anareo ny olona hafa"
"Kaldeana" dia anarana hafa ilazana ny Babyloniana. DH: "Jero ny nanjo ny tanin'ny Babyloniana" na "Jereo ny nankjo an'i Babylona"
Nanangana tilikambo na tovon-tany mba hanafihana ny mandan'ny tanàna iray ireo miaramila.
Eto ny "sambo" dia ilazana ireo olona ao anaty sambo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 23:1.
DH: "fa noravan'ny fahavalo ny fialofanareo"
Eto ny "andro" dia ilazana ny fe-potoana amin'ny ankapobeny. DH: "tamin'izany fotoana izany" na "Dia"
Satria tsy handeha ho any Tyro mba hividy na hivarotra entam-barotra intsony ny olona, dia ho tahaka ny hoe adinon'izy ireo ny momba ny tanàna. DH: "nandritra ny fitopolo taona dia ho tahaka ny adinon'ny olona ny momba an'i Tyro"
"mandritra ny 70 taona"
Eto ny hoe "andro" dia manambara fe-potoana. Ny fotoana antonony izay niainan'ny mpanjaka dia eo ho eo amin'ny 70 taona. DH: "tahaka ny taonan'ny mpanjaka" na "izay eo ho eo amin'ny halavan'ny iainan'ny mpanjaka"
Io dia miresaka momba ny olon'i Tyro toy ny hoe mpijangajanga izy ireo. Tahaka ny mpijangajanga izay tsy malaza intsony izay afaka mihira eny an-dalana mba hahazoana ireo malalany taloha indray, no hiezahan'ny vahoakan'i Tyro haka ny olona avy amin'ireo firenena hafa mba hiverina amin'izy ireo mba hivarotra hatrany mba hanan-karena sy hahery indray ny vahoakan'i Tyro.
DH: "mba ho tadidin'ny olona ianao" na "mba hiverina aminao ny olona"
Io andian-teny io eto dia nampiasaina mba hanamarika tranga manan-danja izay hitranga. Raha misy fomba hilazana izany ny fiteninao, dia afaka ampiasainao eto izany.
"70 taona"
Eto ny hoe "Tyro" dia manambara ny vahoaka izay mipetraka ao Tyro. DH: "hanampy ny vahoakan'i Tyro i Yaveh"
Ampitahain'i Isaia amin'ny mpijangajanga ny vahoakan'i Tyro. Tahaka ny mpijangajanga mivaro-tena amin'ny lehilahy mba hahazoana vola, no hividian'ny vahoakan'i Tyro sy hivarotany ny fanjakana rehetra. DH: "Ary tahaka ny mpijangajanga dia hividy sy hivarotra ny fanjakana rehetra eto an-tany izy ireo"
DH: "Tsy hitahiry ny volan'izy ireo ny mpivarotra"
"Ireo izay mankatò sy manompo an'i Yaveh"
1 Indro, hanafoana ny tany Yaveh, handrava izany, hahalao azy ary hampiely ireo mponiny. 2 Ho tahaka izany no ho an'ireo mponina, ny mpisorona; ny mpanompo, ny tompony, mpiasa an-trano; ny tompovaviny, ny mpividy, ny mpivarotra; ny mpanome trosa, ny mpitrosa; ny mpandray tombontsoa, ary ny mpanome tombontsoa. 3 Ho rava tanteraka ny tany ary ho foanana tanteraka; satria Yaveh no efa niteny izany teny izany. 4 Maina sy malazo ny tany, milofika sy malazo izao tontolo izao, mihaosa ny olona malazan'ny tany. 5 Maloto amin'ny alalan'ireo mponiny ny tany satria efa nandika lalàna, nanota ny didy, ary nivadika tamin'ny fanekena maharitra mandrakizay izy ireo. 6 Noho izany dia mandevona ny tany ny ozona, ary meloka ireo mponiny. May ireo mponin'ny tany, ary vitsy sisa no tavela. 7 Maina ireo divay vaovao, malazo ny voaloboka, misento avokoa ireo faly am-po. 8 Mitsahatra ny feo mandrotsirotsin'ny ampongatapaka, sy ny fitabataban'ireo mifaly; mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga. 9 Tsy misotro divay na mihira intsony izy ireo, ary ny toaka dia mangidy ho an'ireo izay misotro izany. 10 Rava ny tanànan'ny fikorontanana; mihidy sy foana avokoa ireo trano rehetra. 11 Misy tabataba noho'ny divay eny an-dalambe; maizina ny haravoana, nanjavona ny fifaliana. 12 Faharavana sisa no eo amin'ny tanàna, ary ny vavahady dia potika. 13 Fa toy izany no ho amin'ny tany rehetra eo amin'ny firenena, tahaka ny hazo oliva voakapoka, tahaka ny fitsimponam-boaloboka rehefa vita ny fiotazana. 14 Hanandratra ny feony sy hiantso ny voninahitr'Andriamanitra, ary hihiaka am-pifaliana avy amin'ny ranomasina izy ireo. 15 Noho izany dia mankalazà an'i Yaveh any atsinanana, manomeza voninahitra ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ao amin'ireo nosy. 16 Hatrany am-paran'ny tany no nandrenesanay hira hoe: "Voninahitra anie ho an'ilay marina!" Fa hoy aho hoe: "Efa nihaosa aho, efa nihaosa aho, indrisy! Ny mpamitaka dia nitondra am-pitaka; eny, ny mpamitaka dia tena nitondra am-pitaka tokoa." 17 Aminareo ny tahotra, ny lavaka, ary ny fandrika, ry mponin'ny tany. 18 Izy izay mandositra ny feon'ny fampihorohoroana dia ho latsaka ao an-davaka, ary izy izay miakatra avy ao an-davaka dia ho azon'ny fandrika. Hisokatra ny varavaran'ny lanitra, ary ireo fanorenan'ny tany dia hiozongozona. 19 Ho rava tanteraka ny tany, hitresaka ny tany; hiozongozona mafy ny tany. 20 Hivembena tahaka ny olona mamo ny tany ary hitsingevaeva tahaka ny trano bongo izany. Hivesatra amin'izany ny fahotany ary hianjera izany ka tsy hiarina intsony. 21 Ary amin'izany andro izany dia hanasazy ny miaramilan'ilay avo any ambony, sy ireo mpanjakan'ny tany ety an-tany i Yaveh. 22 Hatambatra izy ireo, gadra ao an-davaka, ary hangina ao am-ponja; ary afaka andro maromaro dia ho voasazy izy ireo. 23 Ary dia ho menatra ny volana, ary ho afa-baraka ny masoandro, satria hanjaka amim-boninahitra ao an-tendrombohitr'i Ziona sy ao Jerosalema, ary manoloana ireo zokiolony i Yaveh tompon'ny maro.
"mba hahalao ny tany" na "mba handrava ny zavatra rehetra eto an-tany"
Io andianteny io dia manamarika tranga tena manan-danja. Raha misy fomba hilazana izany ao amin'ny fiteninao, dia afaka mampiasa izany eto ianao.
Izay ho ataon'i Yaveh dia tsy nambara teto, nefa takatra ihany izany. Izany dia maneho fa hitondra ny vahoaka amin'ny fomba iray ihany Andriamanitra. DH: "raha aelin'i Yaveh...dia haeliny ihany koa"
Ao amin'ny 24:2 dia mitanisa sarangan'olona maro Isaia. DH: "ireo mpisorona...ireo izay manome zana-bola"
"ny olona izay mampindram-bola." Ny teny hoe "zana-bola" dia midika fa misy vola mihoatra tokony aloan'ny olona izay ampindramany vola.
"ny olona izay ananana vola"
DH: "Handrava tanteraka ny tany ary hanala ny zavatra rehetra manan-danja Yaveh"
Eto ny hoe "teny" dia manambara izay nolazain'i Yaveh. DH: "nilaza Yaveh fa"
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. DH: "Ho maina sy ho faty ny zavatra rehetra eto an-tany" (UDB)
Ireo dia samy manambara ny zavatra rehetra izay ao aminy.
Ny fanotan'ny vahoaka sy ny fanaovana ny tany ho tsy ankasitrahan'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe nandoto ny tany mihitsy ny vahoaka. DH: "Nandoto ny tany ny vahoaka"
"tsy nankatò ireo didy aman-dalàn'Andriamanitra izy ireo, ary nandika ny faneken'Andriamanitra mandrakizay"
Manohy manoritsoritra ny fotoana amin'ny hoavy amin'izay hitsaran'Andriamanitra ny tany Isaia. Matetika ireo mpaminany dia manoritsoritra ny tranga hoavy tahaka ny zavatra tany aloha na ankehitriny. Izany dia manindry ny tranga izay tena hitranga tokoa.
Ny fanozonan'i Yaveh ny tany sy ny fandravany izany dia resahina toy ny hoe bibidia izay mandrapaka tanteraka ny tany na afo izay mandoro tanteraka ny tany ny ozona.
DH: "ary hanambaran'i Yaveh fa meloka ny olona"
Manohy manoritsoritra ny fotoana amin'ny hoavy amin'izay hitsaran'Andriamanitra ny tany Isaia. Matetika ireo mpaminany dia manoritsoritra ny tranga hoavy tahaka ny zavatra tany aloha na ankehitriny. Izany dia manindry ny tranga izay tena hitranga tokoa.
Ireo dia zava-maneno. Jereo ny nandikanao ireo ao amin'ny 5:11.
Manohy manoritsoritra ny fotoana amin'ny hoavy amin'izay hitsaran'Andriamanitra ny tany Isaia. Matetika ireo mpaminany dia manoritsoritra ny tranga hoavy tahaka ny zavatra tany aloha na ankehitriny. Izany dia manindry ny tranga izay tena hitranga.
DH: "Handrava ny tanànan'ny fikorontanana Yaveh"
Ireo mety ho heviny dia 1) tao anaty fikorontanana ny tanàna nialohan'ny nandravan'ny Tompo izany; tsy nankatoa an'Andriamanitra ny olona, nanao kolikoly ny governemanta, ary feno fisotroana sy lanonana ny tanàna, na 2) ho ao anaty fikorontanana ny tanàna rehefa avy mandrava izany Andriamanitra. Ireo manda sy ireo trano mafy sy avo izay naorina dia rava amin'ny tany ankehitriny. Amin'ireo heviny ireo dia tsy midika hoe tanàna iray ihany izany. Izany dia manondro ireo tanàna amin'ny ankapobeny.
DH: "hanidy ny tranon'izy ireo ary hamela izany ho foana ny olona"
"satria tsy misy divay"
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. DH: "hiala amin'ny tany ny fifaliana rehetra"
Eto ny hoe "tany" dia manambara ny olona eto an-tany.
Manohy manoritsoritra ny fotoana amin'ny hoavy amin'izay hitsaran'Andriamanitra ny tany Isaia. Matetika ireo mpaminany dia manoritsoritra ny tranga hoavy tahaka ny zavatra tany aloha na ankehitriny. Izany dia manindry ny tranga izay tena hitranga.
Ny anarana hoe "faharavana" dia afaka atao hoe "rava" na "foana". DH: "Rava ny tanàna" na "foana ny tanàna"
Tsy tanàna voafaritra mazava io fa tanàna amin'ny ankapobeny.
Io dia mampitaha ireo firenena aorian'ny fandravan'i Yaveh ny tany amin'ny hazo sy divay aorian'ny fiotazana ny voany. Midika izany fa ho olona vitsy monja no tavela eto an-tany.
Ny andian-teny hoe "manandratra ny feony" dia fomba fiteny izay midika hoe miteny mafy. DH: "Hihira sy hihiaka momba ny voninahitr'i Yaveh izy ireo"
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo izay mbola velona aorian'ny andravan'i Yaveh ny tany.
Eto ny hoe "ranomasina" dia manondro ny Ranomasina Mediteraneana izay any andrefan'Israely. DH: "ary hihiaka am-pifaliana ireo izay any andrefana any amin'ny ranomasina"
Ny andian-teny hoe "any atsinanana" dia manambara ny olona monina any atsinanan'i Israely. Mandidy ireo vahoaka ireo Isaia toy ny hoe niaraka taminy izy ireo. Nefa, miresaka ny olona amin'ny hoavy aorian'ny handravan'Andriamanitra ny tany izy. DH: "Koa hankalaza an'i Yaveh ny olona rehetra avy any amin'ireo tany lavitra any atsinanana"
Mandidy ireo vahoaka izay monina any amin'ireo nosy any amin'ny ranomasina Mediteraneana Isaia toy ny hoe niaraka taminy izy ireo. Nefa, miresaka ny olona amin'ny hoavy aorian'ny handravan'Andriamanitra ny tany izy. DH: "hankalaza ny olona rehetra any amin'ireo nosy"
Eto ny hoe "anarana" dia manambara an'i Yaveh. DH: "ho an'i Yaveh"
Eto ny hoe "-nay" dia manondro an'i Isaia sy ny vahoakan'Israely. Manoritsoritra ny zavatra amin'ny hoavy toy ny hoe efa nitranga Isaia. DH: "ho renay"
Mamerina io andian-teny io mba hanindriana ny fahoriany Isaia. Tena voakasika izy satria nahita ny olona izay namitaka ny hafa ary tsy nanao izay nampanantenain'izy ireo mba ho ataony izy. DH: "Tena nanjary nalemy aho"
Mamerina io andian-teny io mba hanindriana ny fahoriany Isaia. DH: "Indro, ireo izay mamitaka dia mamitaka ny hafa ankehitriny" na "Indro, mamitaka ireo mpamitaka"
"Hiaina horohoro, lavaka, ary fandrika ianareo ry mponin'ny tany"
Eto ny hoe "lavaka" sy "fandrika" dia manambara ireo karazana zavatra ratsy rehetra izay hanjo ny olona. Hitsoaka mba handositra ny zavatra ratsy iray ny olona nefa dia hiaina zavatra ratsy iray hafa tokoa izy ireo.
"ny feo mampihorohoro"
DH: "hahazo azy ny fandrika"
Io dia miresaka ny haben'ny orana milatsaka avy any an-danitra toy ny hoe nanokatra ny varavaran'ny lanitra ary namela ny rano hiraraka ao amin'izany Yaveh. DH: "Hitriatra hisokatra ny lanitra ka hisy ora-mikija hirotsaka"
Ny teny hoe "fanorenana'' amin'ny ara-dalàna dia manondro ny rafi-bato izay manohana ny trano avy ambany. Eto dia manoritsoritra ny rafitra izay natao hanohana sy hampipetraka ny tany amin'ny toerany ihany izany. Milaza Isaia fa na dia ny rafitra izay mihazona ny tany aza dia hiozongozona. DH: "hiozona mafy ny tany" na "hisy horohoron-tany tena lehibe"
DH: "Ho vaky ny tany ary hitresaka; hiozongona mafy ny tany"
Ireo fampitahana ireo dia manindry ny fiozongozon'ny tany.
Io dia miresaka ny tany toy ny hoe olona izany ary ny fandikan-dalana ho toy ny zavatra mavesatra. Miezaka ny hilanja vesatra ny olona nefa mahatonga ny olona ho lavo ary tsy ho tafarina intsony ny vesatra. Eto ny tany dia manambara ny mponin'ny tany izay mahatonga an'i Yaveh handrava ny tany noho ny fahotan'izy ireo. DH: "Maro ny fahotan'ny olona ka handrava ny tany Yaveh, ary ho tahaka ny olona izay lavo ary tsy tafarina ny tany"
Io dia manamarika tranga tena manan-danja. Raha misy fomba hilazana izany amin'ny fiteninao, dia afaka mampiasa izany eto ianao.
Eto ny hoe "andro" dia midika fe-potoana amin'ny ankapobeny. DH: "amin'izany fotoana izany"
Ny teny hoe "tompon'ny maro" dia teny izay manondro zavatra maro be. Eto dia manondro ny toetra ratsy ara-panahy any an-danitra izany. DH: "toetra ratsy ara-panahy" na "ireo anjely izay nikomy taminy"
Eto ny hoe "ambony" dia manambara ny lanitra na ny habakabaka. DH: "any an-danitra"
Eto ny hoe "lavaka" dia manondro ny efitrano maizina na lavaka any am-ponja. DH: "Hanambatra azy ireo ho voafonjany sy hanidy azy ireo any an-davaky ny fonja Yaveh"
DH: "Hanasazy azy ireo Yaveh"
Ny masoandro sy ny volana dia soritsoritana toy ny hoe olona izay menatra ny ho eo anoloan'ny olona izay manana fahefana ambony. Eo anatrehan'i Yaveh, dia ho toa tsy dia mazava ny tara-bolana sy masoandro.
1 Ry Yaveh, Andriamanitro ianao; hanandratra anao Aho, hidera ny anaranao Aho; fa efa nanao zava-mahagaga ianao, zavatra efa nomanina ela, am-pahatokisana tanteraka. 2 Fa efa nataona ho korotam-bato ny tanàna, ary ny tanàna voaro mafy, ho faharavana, ary ny fiarovana mafy ireo vahiny tsy ho tanàna. 3 Ka dia hanome voninahitra anao ireo olona mahery; hatahotra anao ny tanànan'ny ireo firenena feno herisetra. 4 Fa fitoerana fiarovana ho an'ny olona mahantra ianao, fialofana ho an'izay ory ao amin'ny fahoriany_fialofana amin'ny tafio-drivotra sy alokaloka amin'ny hafanana. Raha toy ny tafio-drivotra hanohitra ny rindrina ny fofonain'ireo masiaka, 5 ary toy ny hafanana amin'ny tany maina, no nandresenao ny tabataban'ireo vahiny, tahaka ny haresen'ny aloky ny rahona ny hafanana dia toy izany koa no hamaliana ny hiran'ireo masiaka. 6 Eto amin'ity tendrombohitra ity no hanaovan'i Yaveh Tompon'ny maro fanasana amin'ireo zavatra matavy, amin'ny divay maro karazany, amin'ny laoka be tsoka, fanasana amin'ny divay efa niotrika ela ho an'ny vahoaka rehetra. 7 Horavaina eto amin'ity tendrombohitra ity ny fandrakofana eo amin'ny vahoaka rehetra, ny tranokala tenona eo amin'ny firenena rehetra. 8 Hateliny mandrakizay ny fahafatesana, ary Yaveh Tompo hamafa ny ranomaso amin'ireo tava rehetra, hoesorina amin'ny tany rehetra ny fahafaham-barakan'ny olony, fa Yaveh no efa niteny izany. 9 Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: "Indro, ity no Andriamanintsika; efa niandry azy isika, ary izy hamonjy antsika. Izy no Yaveh, efa niandry azy isika, hifaly sy hiravo ny amin'ny famonjeny isika." 10 Fa eto amin'ity tendrombohitra ity no hitsaharan'ny tanan'i Yaveh; ary Moaba ho voahitsakitsaka amin'ny toerany, na dia voahitsakitsaka ao an-davaka feno zezika aza ny maloto. 11 Namelatra ny tanan'izy ireo teo afovoan'izany izy ireo, toy ny famelatry ny mpilomano ny tanany rehefa milomano, Fa Yaveh hampietry ny avonavon'izy ireo na dia eo aza ny hakingan'ny tanan'izy ireo. 12 Ny manda avo fiarovanao dia haetriny amin'ny tany, ho eo amin'ny amin'ny vovoka.
Eto ny hoe "anarana" dia manambara an'i Yaveh. DH: "hidera Anao"
DH: "ireo zavatra izay nomaninao efa ela"
Ny anarana hoe "fahatokisana" dia afaka ambara amin'ny hoe "mahatoky". DH: "satria mahatoky tanteraka Ianao"
Tsy manondro tanàna iray io. Fa midika tanàna amin'ny ankapobeny.
"fiarovana mafy izay an'ireo vahiny"
Eto ny "tanàna" na ''firenena" dia manambara ny olona izay mipetraka ao.
Ny fiarovan'i Yaveh ny vahoakany dia resahina toy ny hoe toerana izay afaka alehan'ny olona mba ho voaaro sy hahazo aina Izy.
Ny olona masiaka mampahory ny vahoakan'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe tafiotra mamely ny rindrina ireo.
"rivotra" na "ny fipoahana"
DH: "olona masiaka" na "ireo izay masiaka"
Io dia mampitaha ireo fahavalon'ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny hafanana izay mahamaina ny tany. Io dia manindry hoe akory ny nampahorian'ireo fahavalo ny vahoakan'Andriamanitra.
Ny fanatsaharan'i Yaveh ny olona masiaka tsy hihira sy hieboebo dia ampitahaina amin'ny rahona mampisy aloka amin'ny andro mahamay. Io dia manindry fa mankahery ny vahoaka amin'ny fanatsaharana ireo izay mahatonga azy ireo hijaly Yaveh.
DH: "tahaka ny rahona rehefa mandalo manaloka ary mandresy ny hafanana"
DH: "hanatsahatra ny vahoaka masiaka tsy hihira Ianao"
Io dia manondro an'i Jerosalema na ny Tendrombohitra Ziona.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:9 izany.
Eto ny hoe "zavatra matavy" dia midika hoe sakafo tsara indrindra.
"divay efa ela." Midika hoe divay tsara indrindra izany.
Ny fahafatesana, ny fijaliana, ary ny alahelo dia resahina toy ny hoe raho-mainty na tranokala izay manarona ny olona rehetra eto an-tany.
Ny fanaovan'i Yaveh ny olona hiaina mandrakizay dia resahina toy ny hoe hitelina ny fahafatesana Izy.
Ny fanaovan'i Yaveh ny olona tsy ho menatra intsony dia resahina toy ny hoe zavatra izay halan'i Yaveh ny henatra.
DH: "Hilaza ny olona hoe"
Eto ny hoe "andro" dia manambara fe-potoana amin'ny ankapobeny. DH: "amin'izany fotoana izany"
Ny hoe "tanana" dia manambara ny herin'Andriamanitra. Fa eto "amin'ity tendrombohitra ity" no hitsaharan'ny tanan'i Yaveh dia midika fa hiaro ny vahoakany Izy. DH: "Ho eo amin'izany tendrombohitra izany ny herin'i Yaveh" na "Fa eo amin'izany tendrombohitra izany no hiarovan'i Yaveh ny vahoakany"
Ny famotehan'i Yaveh ny vahoakan'i Moaba dia resahina toy ny hoe hanitsaka azy ireo ary hamotipotika azy ireo Izy. Io dia ampitahaina amin'ny fomba hanitsahan'ny olona mololo mba hanafangaroana izany amin'ny zezika.
Eto Moaba dia manambara ny vahoakan'i Moaba. DH: "hanitsakitsaka ny vahoaka ao amin'ny tanin'i Moaba i Yaveh"
Io fampitahana io dia manindry ny haratsin'ny fomba hanalan'i Yaveh baraka ny vahoakan'i Moaba. Hamelatra ny tanan'izy ireo ao amin'ny zezika tahaka ny mpilomano mamelatra ny tanan'izy ireo ao anatin'ny rano izy ireo.
"Hanosika ny tanan'izy ireo ho ao amin'ny zezika ny vahoakan'i Moaba"
"tahaka ny hoe milomano izy ireo"
Ny fanalan'i Yaveh baraka ny olona miavonavona dia resahina toy ny hoe zavatra avo ary afaka haetrin'i Yaveh ny avonavona.
Eto ny hoe "tanana" dia manambara ny hery mba hanaovana zavatra. DH: "na dia eo aza ireo zavatra lehibe izay namboarin'izy ireo" na "na dia teo aza ireo zavatra lehibe izay nataon'izy ireo"
Io dia miresaka an'i Yaveh mahatonga ireo tafika handrodana ny manda toy ny hoe Izy mihitsy no nandrodana ireo. DH: "Haniraka tafika mba handrodana ireo manda fiarovanao avo amin'ny tany, ho eo amin'ny vovoka Izy"
Eto ny hoe "-nao" dia manondro ny vahoakan'i Moaba. DH: "Ny fiarovana avon'izy ireo"
1 Amin'izany andro izany ity hira ity no hiraina any amin'ny tanin'ny Joda: Manana tanàna mafy izahay; Andriamanitra efa nanao ny famonjena ho rindrin'izany sy tovon-tany fiarovany. 2 Voahy ny vavahady, mba ahafahan'ny firenena marina izay mihazona finoana miditra ao. 3 Ny saina izay mitoetra ao aminao, hotehirizinao amin'ny fiadanana tanteraka izy, satria mitoky aminao; 4 Matokia an'i Yaveh mandrakariva; fa ao amin'i Yah, Yaveh, no vatolampy tsy manam-pahataperana. 5 Fa hanetry ireo izay miaina amim-piavonavonana Izy; ny tanàna mimanda harodany, Harodany amin'ny tany; fisahany eny amin'ny vovoka izany. 6 Ho voahitsaky ny tongotry ny mahantra sy ny dian'ny ory izany. 7 Voaravona ny lalan'ny olo-marina, Ilay Marina; ny lalan'ny marina ahitsinao. 8 Eny, amin'ny lalan'ny fitsaranao, ry Yaveh, no iandrasanay Anao; ny Anaranao sy ny lazanao no fanirianay. 9 Manina Anao aho nony alina; eny, mitady Anao fatratra ny fanahy ato amiko. Fa rehefa tonga ety ambonin'ny tany ny fitsaranao, dia hahalala ny fahamarinana ny mponin'ny tany. 10 Aoka haseho amin'ny ratsy fanahy ny sitraka, nefa tsy hahalala ny fahamarinana akory izy. Any amin'ny tanin'ny fahitsiana no hanehoany faharatsiana ka tsy mahita ny voninahitr'i Yaveh. 11 Ry Yaveh, misandratra ny tananao kanefa tsy tsikaritr'izy ireo akory. Nefa ho hitan'izy ireo ny zotom-ponao amin'ny vahoaka ka halàna baraka, satria handevona azy ireo ny afon'ireo mpifanandrina aminao. 12 Ry Yaveh, hitondra fiadanana ho anay Ianao; fa indrindra, efa nahavita ireo asanay ho anay Ianao. 13 Ry Yaveh Andriamanitray, tompo hafa maro ankoatra Anao no efa nanapaka teo aminay; nefa ny anaranao irery ihany no derainay. 14 Maty izy ireo, fa tsy mba ho velona; nodimandry izy ireo, fa tsy mba hitsangana. Tonga tamin'ny fitsarana tokoa Ianao ary nandringana azy ireny, ka nanafoana ny fahatsiarovana azy ireo rehetra. 15 Efa nampitombo ny firenena Ianao, ry Yaveh, efa nampitombo ny firenena Ianao; omem-boninahitra Ianao; efa nanitatra ireo faritry ny tany rehetra Ianao. 16 Ry Yaveh, tamin'ny horohoro no nijeren'izy ireo Anao; nibitsika vavaka izy ireo rehefa tao amin'izy ireo ny fananaranao. [1]17 Tahaka ny vehivavy bevohoka mby akaiky fotoana hiterahana, amin'ny fotoana mampihetsi-jaza azy ka mitaraina amin'ny fiterahany, dia tahaka izany koa izahay eo anoloanao, ry Tompo. 18 Efa nitondra vohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, nefa izany dia tahaka ny miteraka rivotra ihany. Mbola tsy nitondra famonjena tamin'ny tany izahay, ary mbola tsy potraka ireo mponin'ny tany. 19 Hitsangana ny maty ao aminao; hitsangana ny fatin'izy ireo. Hifoha ka hihira fifaliana, ianao izay mitoetra amin'ny vovoka; fa ny andonao dia andom-pahazavana, ary ny tany hitondra avo efatra heny ireo maty ao aminy. 20 Mandehana, ry vahoakako, midira any an'efitranonareo, ka hidio ireo varavaranareo; miafena ao anatin'ny fotoana vitsy, mandra-pahalasan'ny fahatezerana. 21 Fa, indro, Yaveh efa mby hiala avy ao amin'ny toerany mba hanasazy ny mponin'ny tany noho ny helok'izy ireo; hampiharihary ny fandatsahan-dràny ny tany, ary tsy hanafina intsony ny faty ao aminy.
Eto ny hoe "andro" dia manambara fe-potoana amin'ny ankapobeny. DH: "amin'izany fotoana izany"
DH: "hihira izao hira izao ny vahoakan'ny tanin'i Joda"
Io dia manondro ny tanànan'i Jerosalema.
Ny herin'Andriamanitra mba hiaro sy hamonjy ny vahoakany dia resahina toy ny hoe manda manodidina ny tanàna ny famonjeny.
Eto ny hoe "firenena'' dia manambara ny vahoaka. DH: "ny olona marina sy mahatoky"
Eto ny hoe "saina" dia manambara ny hevitry ny olona. Ny hoe "Aminao" dia manondro an'i Yaveh. Ny andian-teny hoe "Ny saina izay mitoetra ao Aminao" dia fomba fiteny izay midika hoe "Ny olona izay mihevitra momba Anao hatrany"
Yah dia anaran'i Yaveh hafa.
Ny fananan'i Yaveh hery mba hiaro ny vahoakany dia resahina toy ny hoe vato lehibe izay ahafahan'ny olona mandeha mandositra ireo fahavalony Izy.
Ny fanalan'i Yaveh baraka ireo izay miavonavona dia resahina toy ny hoe avo ny olona miavonavona ary hahatonga azy ireo hietry Izy.
Izany dia midika hoe ireo tanàna mimanda amin'ny ankapobeny fa tsy tanàna voafaritra mazava.
Ny anaovan'i Yaveh ny tafika hamotika ireo tanàna mimanda dia resahina toy ny hoe Yaveh mihitsy no hanao izany.
Ireo fanambarana roa ireo dia midika zavatra iray ihany. DH: "Hanitsakitsaka ireo rava ao amin'ny tanàna ny olona mahantra sy ory"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny olona mankatoa an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lalany izy ireo. Yaveh manome antoka ny vahoaka fa marina izay ataony dia resahina toy ny hoe mandravona ary nanitsy ny lalana ho azy ireo Izy.
Ny fanaovana izay tsarain'i Yaveh ho marina dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny lalany. DH: "miandry Anao izahay, ry Yaveh, araka ny mbola hanaovanay hatrany izay tsarainao fa marina"
"ireo lalànao" na "ireo fampianaranao"
Eto ny hoe "-nay" dia manondro an'i Isaia sy ireo olona marina izay miresaka amin'i Yaveh.
Eto ny hoe "anarana" sy "laza" dia manambara ny toetran'i Yaveh izay manambara an'i Yaveh mihitsy. DH: "ny hanome voninahitra Anao ihany no fanirianay"
Ny faniriana ny hahafantatra tsara an'i Yaveh sy ireo lalàny dia resahina toy ny hoe nitady an'i Yaveh ilay olona. DH: "Te hahalala Anao fatratra kokoa aho"
Eto ny hoe "fanahy" dia manambara ilay olona manontolo izay miteny.
DH: "Na dia tsara fanahy amin'ny ratsy fanahy aza Yaveh, dia tsy mbola mahalala ny hanao izay marina izy ireo"
Io dia midika hoe olona ratsy fanahy amin'ny ankapobeny.
Eto ny "tany" dia manambara ny olona izay mipetraka ao. DH: "Tao amin'ny tany izay nanaovan'ny olona izay marina"
Eto ny hoe "mahita" dia manambara ny fahalalana zavatra iray. DH: "tsy nahafantatra fa lehibe Yaveh"
Ny fiomanan'i Yaveh ny hanasazy ny ratsy fanahy dia resahina toy ny hoe nisandratra ny tanany ary efa hamely ny ratsy fanahy.
"nefa tsy ho tsikaritry ny ratsy fanahy"
Eto ny hoe "hita" dia manambara ny fahafantarana zavatra. DH: "ho fantatr'izy ireo fa mazoto ny hitahy ny vahoakanao Ianao"
DH: "halana baraka izy ireo"
Ny fanasazian'i Yaveh sy ny fandravany tanteraka ny fahavalony dia resahina toy ny hoe handefa afo izay handoro azy ireo tanteraka Izy.
Eto ny hoe "-n'ireo" dia tsy midika hoe an'ireo fahavalo ny afo fa tokony hoe nampiasaina hanoherana ireo fahavalo ny afo. DH: "handoro tanteraka azy ireo ny afonao"
Eto ny hoe "anay" dia manondro an'i Isaia ary anisan'izany koa ny olo-marina rehetra.
Eto ny "anarana" dia manambara ny olon'Andriamanitra. DH: "nefa Ianao ihany no derainay"
"tsy ho velona intsony izy ireo"
Ny fanaovan'i Yaveh ny olona tsy hahatsiaro intsony ireo izay noringaniny dia resahina toy ny hoe nanafoana na namono ny fahatsiarovana azy ireo Yaveh.
Io andianteny io dia naverimberina mba hanindriana. Eto ny hoe "firenena" dia manambara ny vahoaka. DH: "Efa nampitombo be ny isan'ny olona ao amin'ny firenenay Ianao"
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely. Mety anisan'izany Isaia. DH: "nijery Anao izahay"
Io fomba fiteny io dia midika hoe nitady vonjy tamin'i Yaveh izy ireo.
Ny anarana hoe "fananarana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "rehefa nananatra azy ireo Ianao"
Io dia mampitaha ny olona amin'ny vehivavy miteraka. Manindry ny fanaintainan'izy ireo sy ny tarainany izany fony nananatra azy ireo Yaveh.
Manohy mampitaha ny fijalian'ny vahoakan'i Joda amin'ny vehivavy miteraka i Isaia.
"tahaka ny miteraka tsinontsinona ihany izany." Io dia fampitahana izay manindry fa tsy nitondra na inona na inona ny fijalian'ny vahoaka. DH: "nefa tsy nisy zavatra tsara azo avy tamin'izany"
Eto ny "tany" dia manambara ny olona izay mipetraka eto an-tany. Tsy mazava ny dikany, fa toa midika fa tsy nahavita nanavo-tena na olona hafa tamin'ny fandresena ny fahavalon'izy ireo tamin'ny ady ny vahoakan'Israely.
Afaka ovaina ny teny ka ho azo ambara amin'ny matoanteny hoe "mamonjy" ny anarana hoe "famonjena". DH: "Tsy namonjy ireo mponina teto an-tany izahay"
"ary tsy nahalavo an'ady ny olona ratsy fanahy teto amin'izao tontolo izao"
DH: "Ny olonao izay maty dia ho velona indray"
Ireo mety ho heviny dia 1) Ny hoe "aminao" dia manondro an'i Yaveh na 2) Ny hoe "aminao" dia manondro ny vahoakan'Israely. Raha mifidy roa ianao dia afaka mandika izany hoe "ny maty ao amintsika."
Io dia miresaka ny olona maty ka velona indray toy ny hoe nifoha tamin'ny torimasony izy ireo.
Io dia fomba mihaja hanondroana ireo izay maty. DH: "ireo izay maty ary nalevina"
Ny hatsaram-panahin'i Yaveh amin'ny vahoakany sy ny famelomany azy ireo indray dia resahina toy ny hoe ando izay mahatonga ny zava-maniry ho velona izany.
Ireo mety ho heviny dia 1) Ny hoe "-nao" dia manondro an'i Yaveh ary io dia ny ando izay omen'i Yaveh na 2) ny "-nao" dia manondro ny vahoakan'Israely ary io dia ny ando izay noraisin'izy ireo avy amin'i Yaveh.
Ireo mety ho heviny dia 1) ny "fahazavana" dia manondro ny herin'i Yaveh mba hanangana ny maty ho velona indray. DH: "ando avy amin'i Yaveh" na 2) ny "fahazavana" dia manondro ny fotoana maraina rehefa eo amin'ny zava-maniry ny ando. DH: "andon'ny maraina"
"hiteraka ireo izay maty ny tany." Ny fananganan'i Yaveh ny olona maty ho velona indray dia resahina toy ny hoe hiteraka ireo izay maty ny tany. DH: "hahatonga ireo izay maty hitsangana amin'ny tany Yaveh"
Eto ny hoe "-ny" dia manondro an'i Isaia. Ny hoe "vahoaka" dia manondro ny vahoakan'Israely.
Adikao ho tambiteny hoe "tezitra" ny anarana hoe "fahatezerana". DH: "rehefa tsy tezitra amintsika intsony Yaveh"
Ny fanehoan'i Yaveh ireo vono olona rehetra izay nitranga teto an-tany mba ahafahany manasazy ireo mpamono olona dia resahina toy ny hoe ny tany mihitsy no haneho ny olona rehetra izay novonoina.
1 Amin'izany andro izany Yaveh dia hanafay ny Leviatana menarana tsy misy dikany, amin'ny sabany mafy, lehibe ary masiaka, ny menarana mitambolombolona, ary hamono ny biby mampatahotra izay ao anaty ranomasina. 2 Amin'izany andro izany: ny tanim-boalokin'ny divay: hihira ny amin'izany. 3 "Izaho, Yaveh, Izaho no mpiaro izany; manondraka izany matetika Aho. Miambina izany andro sy alina Aho ka tsy hisy afaka hanimba izany. 4 Endrey, tsy tezitra aho, na nisy ahitra sy tsilo aza! Handeha hanohitra azy ireo amin'ny ady Aho. Hodorako miaraka izy ireo; 5 raha tsy hoe mifikitra amin'ny fiarovako izy ireo ary mihavana amiko; aoka izy ireo hihavana amiko. 6 Amin'ny andro ho avy, dia haka faka i Jakoba; hamony sy hitsimoka Israely; ary hameno manerana ny tany amin'ny voany izy ireo." 7 Moa namely an'i Jakoba sy Israely tahaka ny namelezany ireo firenena izay namely azy ireo ve Yaveh? Moa ve novonoina tahaka ny famonoana ireo firenena izay novoinoin'izy ireo i Jakoba sy Israely? 8 Amin'ny refy marina izay efa nalahatrao, nandroahana an'i Israely sy Jakoba; noentiny tany alavitra miaraka amin'ny rivo-maheriny izy ireo, tamin'ny andron'ny rivotra antsinanana. [1]9 Ka noho izany, ho voahonitra amin'izany ny helok'i Jakoba, fa izao no ho vokatra rehetra tamin'ny nanesorana ny otany: rehefa hanao ireo alitara vato tahaka ny tsaoka izay voapotipotika izy, ary tsy hisy hitoetra hitsangana ny baon'Aseraha na ireo alitaran'ny ditin-kazo manitra. 10 Fa ny tanàna namafisina dia ho lao, ny fonenana dia ho ngazana ary hafoy tahaka ny efitra. Ao no hamahanana ny zanak'omby, ary ao no handriany sy handevonany ireo rantsany. 11 Rehefa malazo ireo sampany, dia hotapaina izy ireo. Ho avy ny vehivavy ka handrehitra afo amin'izy ireo, fa tsy olon'ny fahazavan-tsaina ity. Koa, tsy hanana fangoraham-po amin'izy ireo ny Mpahary azy, ary izay nanao azy dia tsy hanana famindram-po amin'izy ireo. 12 Amin'izany andro izany dia hisy fampihintsanana avy any amin'ny reniranon'i Eofrata ka hatrany amin'ny loasahan-driakan'i Egypta izay hataonao sy Yaveh, ry vahoakan'Israely, dia hangonona hiaraka tsirairay. 13 Amin'izany andro izany, dia hotsofina ny trompetra lehibe; ary ho avy izay rava avy any amin'ny tanin'i Asiria, sy izay voaroka tamin'ny tanin'ny Egypta, hanome voninahitra an'i Yaveh eny an-tendrombohitra masina any Jerosalema.
Eto ny hoe "andro" dia manambara fe-potoana amin'ny ankapobeny. DH: "amin'izany fotoana izany"
Ny fananan'i Yaveh hery handringana ireo fahavalony dia resahina toy ny hoe nanana sabatra mafy, lehibe Izy.
Io dia manondro ny Leviatana.
"Mihirà momba ny tanim-boaloky ny divay." Io dia miresaka ny vahoakan'Israely toy ny hoe tanimboaloboka izay namokatra voaloboka izy ireo. DH: "Mihirà momba ny vahoakan'Israely toy ny hoe tanimboaloboka izay namokatra voaloboka hanaovana divay izy ireo"
"Izaho, Yaveh, dia miaro ny tanimboaloboka"
Ny teny hoe "andro" sy "alina" dia natambatra eto mba hidika hoe "amin'ny fotoana rehetra". DH: "amin'ny fotoana rehetra" na "hatrany hatrany"
Ity dia manohy miresaka momba ny vahoakan'Israely toy ny hoe tanimboaloboka izy ireo. (Jereo: 27:1).
"Tsy tezitra Aho. Fa raha misy ahitra sy tsilo ao dia handeha hanohitra ireo ao amin'ny ady Aho"
Takatra fa tsy tezitra amin'ny vahoakany intsony Yaveh. DH: "Tsy tezitra amin'ny vahoakako intsony Aho"
Ireo fahavalon'ny vahoakan'Israely dia resahina toy ny hoe ahitra sy tsilo maniry eny amin'ny tanimboaloboka izy ireo.
Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 5:5.
Ny fiadian'i Yaveh amin'ireo fahavalony dia resahina toy ny hoe mpiady ao amin'ny tafika Izy.
Eto Isaia dia manambatra sarinteny samy hafa mba hiresahana ireo fahavalon'i Yaveh. Miresaka azy ireo toy ny hoe ahitra sy tsilo izy nefa toy ny hoe miaramila ao anaty tafika ihany koa.
Afaka soloina ny teny mba hambara amin'ny matoanteny hoe "miaro" ny anarana hoe "fiarovana". DH: "raha tsy hoe mangataka Ahy mba hiaro azy ireo izy ireo"
"ary mangataka ny hiaina am-pilaminana miaraka Amiko izy ireo; tiako mba hiaina am-pilaminana miaraka Amiko izy ireo"
Miteny Isaia. Manohy manoritsoritra ny vahoakan'Israely tahaka ny tanimboaloboka izy. (Jereo: 27:1).
Io dia miresaka ny andro toy ny hoe mandeha ary tonga any ho any izany. DH: "Amin'ny hoavy"
Ny fitahian'i Yaveh ny vahoakan'Israely sy ny fanambinany azy ireo dia resahina toy ny hoe voaloboka izay mamaka sy mitsimoka izy ireo. DH: "hiroborobo tahaka ny voaloboka izay mamaka sy mitsimoka ireo taranak'Israely"
Eto "Jakoba" sy "Israely" dia sarinteny izay manambara ireo taranak'i Jakoba.
Ny fampitomboan'i Yaveh ny vahoakan'Israely ho maro be mba ahafahan'izy ireo manampy ny olona hafa dia resahina toy ny hoe voaloboka izay mamokatra voankazo be dia be izy ireo ka handrakotra ny tany izany.
Nampiasaina mba hifanohitra amin'ny haben'ny sazin'Andriamanitra ny fanontaniana. DH: "Tena nanasazy ireo firenena fahavalo mafy kokoa noho ny nanasaziany ny vahoakan'Israely Yaveh"
Ireo dia manambara ireo taranak'i Jakoba.
Ity fanontaniana ity ihany koa dia nampiasaina mba hifanohitra amin'ny haben'ny sazin'Andriamanitra ny fanontaniana. DH: "Tsy namono ny vahoakan'Israely tahaka ny namonoan'izy ireo ny fahavalony tamin'ireo firenena hafa Yaveh"
Eto ny hoe "-nao" dia manondro an'Andriamanitra. Ny fanasazian'i Yaveh ny vahoakany araka izay sahaza azy ireo dia resahina toy ny hoe zavatra izay azo refesina ny sazin'Andriamanitra. DH: "Nefa nanasazy azy ireo araka izay sahaza azy ireo Ianao"
Ireo dia manambara ireo taranak'i Jakoba. DH: "nandroaka ireo Israelita"
Ny herin'i Yaveh mba handroaka ny vahoakany ho an'ny amin'ny firenen-kafa dia resahina toy ny hoe nampiasa rivotra mba hitsoaka azy ireo ho any amin'ny firenen-kafa Yaveh. DH: "ny herin'i Yaveh no nandroaka azy ireo tahaka ny rivotra mahery avy any atsinanana"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny hoe "izao" dia manondro ny fandefasan'i Yaveh ny vahoaka ho any an-tsesitany araka ny nolazain'i Isaia tao amin'ny andininy teo aloha na 2) ny hoe "izao" dia manondro ireo zavatra izay holazain'i Isaia ao amin'ny fizarana manaraka dia ny andininy faha-9.
DH: "hanadio ny helok'ireo Israelita Yaveh" na "hamela ny helok'ireo Israelita Yaveh"
Eto "Jakoba" dia manambara ireo taranak'i Jakoba. DH: "helok'ireo Israelita...fanesorana ny otan'izy ireo"
Eto ny hoe "izao" dia manondro ireo zavatra izay ho soritsoritan'i Isaia ao amin'ny fizarana manaraka dia ny andininy faha-9.
Io dia miresaka ny vokatry ny zavatra natao toy ny hoe vokatra izay maniry tahaka ny amin'ny hazo na voaloboka izany. DH: "ny vokany"
Eto ny hoe "izy" dia manondro an'i Jakoba izay manambara ireo taranany. DH: "Handrava tanteraka ireo alitara izay anaovan'izy ireo sorona ho an'ireo andriamani-tsy izy izy ireo, ary hanala ireo sampin'Aseraha sy ireo alitara izay nandoran'izy ireo ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamani-tsy izy izy ireo"
Eto Isaia dia manoritsoritra tranga izay hitranga amin'ny hoavy toy ny hoe efa nitranga izany. Izany dia manindry fa hitranga tokoa izany.
DH: "Ireo tanàna izay mahery sy be vahoaka nonina tao aminy dia hanjary ho foana tahaka ny efitra"
Io dia tsy manondro tanàna na fonenana voafaritra mazava fa manondro ireo tanàna sy ireo fonenana amin'ny ankapobeny.
Eto ny hoe "zanak'omby" dia manambara ireo zanak'omby na biby fiompy amin'ny ankapobeny. DH: "hihinana ireo zanak'omby, ary ao no handriany sy handevonany"
Ny olona manjary mihaosa satria tsy nankatoa an'i Yaveh ka afaka mandringana azy ireo mora foana ireo fahavalo dia resahina toy ny hoe rantsana maina izay tapahin'ny vehivavy hiala amin'ny hazo izany.
DH: "Rehefa malazo ireo sampany, dia ho tonga ireo vehivavy ka hanapaka ireo ary handrehitra afo amin'ireo"
Afaka atao mazava kokoa izany. DH: "tsy olona izay mahatakatra an'i Yaveh na ny lalàny ity"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny "olona" dia manondro ny vahoakan'Israely na 2) ny "olona" dia manondro ny vahoaka any amin'ireo firenen-kafa izay mampijaly ny vahoakan'Israely.
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. DH: "Satria tsy mahatakatra izy ireo, dia Yaveh, Ilay izay nanao azy ireo, dia tsy mba hamindra fo amin'izy ireo"
Io teny io dia manamarika tranga manan-danja izay hitranga.
Eto ny hoe "andro" dia manambara fe-potoana amin'ny ankapobeny. DH: "amin'izany fotoana izany"
Ny fanangonan'i Yaveh ny vahoakany mba hitondrana azy ireo miverina avy any amin'ireo firenen-kafa ho any amin'ny tanin'ny Israely dia resahina toy ny hoe nively vary mba hanasarahana ny vary amin'ny akofa Izy.
Manonona ny Reniranon'i Eofrata sy ny lohasahan-driakan'i Egypta Isaia mba hidika fa hamerina ny vahoakan'Israely izay tany an-tsesitany tany amin'ireo tany akaikin'ireo rano ireo Yaveh, izany dia, Asyria sy Egypta. Ny reniranon'i Eofrata dia any avaratra atsinanan'i Israely, ary ny lohasahan-driakan'i Egypta dia any atsimo andrefan'i Israely.
"lohasaha falehan'ny riakan'i Egypta"
DH: "hanangona anareo tsirairay Yaveh"
DH: "hitsoaka ny trompetra mafy ny olona"
Ny fampahalalana efa fantatra dia afaka atao mazava. DH: "ireo izay tany an-tsesitany ary maty tany amin'ny tanin'i Asyria sy ny tanin'i Egypta dia hiverina any amin'ny tanin'ny Israely.
Ny "tendrombohitra masina" dia Tendrombohitra Ziona, any Jerosalema. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 11:8.
1 Lozan'ny satro-boninahitra voninkazo izay reharehan'ireo mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo malazon'ny hatsaràny be voninahitra, ilay satro-boninahitra izay apetraka eo an-dohan'ny lohasaha maitso mavan'ireo izay resin'ny divay! 2 Indro, ny Tompo dia mandefa izay lehibe sy matanjaka; toy ny tafio-drivotr'avandra sy tafio-drivotra mandrava, toy ny orana mitarika sy rano manafotra; ary hanipy ny satro-boninahitra voninkazo tsirairay ho amin'ny tany Izy. 3 Ho hitsakitsahina ambany tongotra ny voninkazo reharehan'ireo mpimamon'i Efraima. 4 Ny voninkazo malazon'ny hatsarany be voninahitra, izay eo an-dohan'ilay lohasaha lonaka, dia ho toy ny aviavy mialin-taona alohan'ny fahavaratra, izay, rehefa hitan'ny olona izany, raha eo an-tanany izany, dia arapany. 5 Amin'izany andro izany Yaveh tompon'ny maro dia ho lasa satro-boninahitra tsara tarehy sy diademan'ny hatsaràna ho an'ireo sisa tavela amin'ny vahoakany, 6 fanahin'ny rariny ho azy izay mipetraka amin'ny fitsàrana, ary hery ho an'ireo izay mampiverina ireo fahavalony eo am-bavahadin'izy ireo. 7 Fa na dia ireo aza dia midoladola amin'ny divay, ary mivembena amin'ny zava-pisotro mahery. Ny mpisorona sy ny mpaminany dia adoladolan'ny zava-pisotro mahery, ary atelin'ny divay izy ireo. Mivembena amin'ny zava-pisotro mahery izy ireo, mivembena amin'ny fahitana ary midoladola amin'ny fanapahan- kevitra. 8 Rakotra loa tokoa ny latabatra rehetra, koa tsy misy toerana madio. 9 Amin'iza no ho hampianarany fahalalana, ary amin'iza no hanazavany ilay hafatra? Amin'ireo izay vao nisara-nono ve? 10 Fa baiko manampy baiko, baiko manampy baiko izany; fitsipika manampy fitsipika; fitsipika manampy fitsipika; kely eto, kely ery. 11 Miaraka amin'ny molotra maniratsira sy fiteny vahiny tokoa no hiresahany amin'ity vahoaka ity. 12 Taloha Izy dia niteny tamin'izy ireo hoe: "Ity no fitsaharana, omeo fitsaharana izay reraka; ary ity no famelombelomana," fa tsy nihaino izy ireo. 13 Koa ho baiko manampy baiko, baiko manampy baiko; fitsipika manampy fitsipika, fitsipika manampy fitsipika; kely eto, kely ery amin'izy ireo ny tenin'i Yaveh; mba handeha izy ireo ary hianjera, ary ho simba, voafandrika, ary voasambotra. 14 Koa henoy ny tenin'i Yaveh, ianareo izay maniratsira, ianareo izay manapaka amin'ity vahoaka izay ao Jerosalema ity. 15 Hitranga izany satria niteny ianareo hoe: "Nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izahay, ary nanao fifanarahana tamin'ny Fiainan-tsy hita. Koa raha mandalo eo ny karavasy manafotra, dia tsy hahazo antsika izany. Satria isika nanao ny lainga ho arontsika, ary ny fitaka ho fiherentsika." 16 Noho izany Tompo Yaveh dia milaza izao: "Indro: Hanorina fototra ao Ziona Aho, vato voasedra, vato fehizoro sarobidy, fototra azo antoka. Izay mino dia tsy ho menatra. 17 Hataoko fitsipika ny fitsaràna, ary pilao ny fahamarinana. Hamafa ny fialofan'ireo lainga ny havandra, ary hanafotra ny toerana miafina ireo tondra- drano. 18 Ho levona ny fanekenareo tamin'ny fahafatesana, ary tsy hijoro ny fifanarahanareo tamin'ny Fiainan-tsy hita. Rehefa mandalo ny tondra-drano misamboaravoara, dia ho difotr'izany ianareo. 19 Na oviana na oviana handalovan'izany, dia handifotra anareo izany, ary isa-maraina dia handalo izany ary ho avy andro aman'alina izany. Rehefa azo ilay hafatra, dia hampihorohoro izany. 20 Fa foy loatra ny fandriana raha hitsoranan'ny olona, ary kely loatra ho azy ny firakofana raha handrakofana ny tenany." 21 Hitsangana toy ny Tendrombohitra Perazima i Yaveh; hanaitra ny tenany toy ny tany amin'ny Lohasahan'i Gibeona Izy mba hanao ny asany, ny asany tsy mahazatra. 22 Noho izany ary dia aza maniratsira, raha tsy izany dia ho henjanina ny fatotrareo. Efa nandre lalàna famotehana eto an-tany tamin'i Tompo Yaveh tompon'ny maro aho. 23 Mifantoha ka henoy ny feoko; mihainoa tsara ary henoy ny teniko. 24 Moa ve miasa tany fotsiny ny mpamboly izay miasa tany tontolo andro mba hamafy? Mitombon-doha mandrakariva sy mandravona bainga ny saha ve izy? 25 Rehefa avy nanomana ilay tany izy, moa ve tsy manaparitaka ny voan'ny nigela, mamafy ny komina, mametraka ny vary tritika mitandahatra ary ny vary hordea amin'ny toerana voafaritra, ary ny ampemby eny amin'ny sisiny izy? [1]26 Mampianatra azy ny Andriamaniny; mampianatra azy am-pahendrena Izy. 27 Fanampin'izany, tsy velesina amin'ny vy ny nigela, na akodiadia amin'ny komina ny kodian'ny sarety; fa velesina amin'ny fantàka ny nigela, ary amin'ny hazo ny komina. 28 Kosohana atao mofo ny vary nefa tsy manify loatra, ary na dia manaparitaka izany aza ireo kodian'ny kalesiny sy ireo soavaliny, dia tsy manitsaka izany ireo soavaliny. 29 Ireo koa dia avy amin'i Yaveh tompon'ny maro, izay mahafinaritra amin'ny fampianarana ary tsara dia tsara amin'ny fahendrena.
Ny "fehiloha" dia satro-boninahitra vita amin'ny voninkazo. Eto dia manambara ny tanànan'i Samaria, dia ny renivohitr'Israely, izay mipetraka ambonin'ny lohasaha mamokatra izany. Samaria sy ny vahoakany noravaina dia resahina toy ny hoe voninkazo eo amin'ny fehiloha izay hiha-antitra ary tsy ho tsara intsony izany.
"Henoy" na "Tandremo"
"izay mamon-divay"
Eto ny hoe "izay" dia manondro ny mpanjaka mahery izay manambara ny tafiny mahery ihany koa. DH: "ny Tompo dia mandefa ny mpanjaka miaraka amin'ny tafiny mahery"
Ny "tafio-drivotr'avandra" dia misy rehefa milatsaka avy any an-danitra ny vaingan-dranomandry mafy. Eto dia fampitahana izay manondro ny tafika fahavalo izay halefan'i Yaveh mba handringana ny vahoakan'i Samaria izany.
Ny famotehan'ny mpanjaka sy ny tafiny mahery ny vahoakan'i Samaria sy ny tanànan'izy ireo dia resahina toy ny hoe hanipy ny fehilohan'ny vahoaka amin'ny tany ny mpanjaka.
Mbola manohy miresaka momba ny vahoaka sy ny tanànan'i Samaria toy ny fehiloha ihany Isaia. (Jereo: 28: 1)
DH: "Hamotipotika ireo mpimamo reharehan'i Samaria ny tafika fahavalo toy ny hoe mamotika voninkazo ambany tongony izy ireo"
Ny "fehiloha" dia satro-boninahitra vita amin'ny voninkazo. Eto dia manambara ny tanànan'i Samaria, dia ny renivohitr'Israely, izay mipetraka ambonin'ny lohasaha mamokatra izany.
Io dia miresaka ireo miaramila fahavalo mahita ny hatsaran'i Samaria ary maka izany faingana toy ny hoe olona izay mahita ny aviavy voalohany tamin'ny vanim-potoana ary mihinana izany faingana izy ireo.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 1:9 io.
Yaveh dia resahina toy ny hoe lasa satro-boninahitra tsara tarehy izay hanaovan'ny olona izay tahaka ny tena mpanjakan'izy ireo izay manome voninahitra Azy.
Ireo dia midika zavatra iray ihany. DH: "satro-boninahitra tsara tarehy "
DH: "vahoakany. Hahatonga ireo mpitsara ho marina sy hanome hery azy ireo Yaveh"
Ny olona izay manana ny "fanahin'ny rariny" dia olona izay manana ny toetran'ny fahamarinana ary olo-marina.
Io dia fomba fiteny izay midika fa manana fahefana hitsara ilay olona.
Eto ny hoe "mampiverina" dia fomba fiteny izay midika hoe mandresy an'ady. DH: "ary hahatonga ireo miaramila hahery Yaveh mba handresy ny fahavalony izy ireo rehefa manafika ny tanànany ireo fahavalon'izy ireo"
"Fa na dia ireo mpitarika aza"
Io dia tsy midika hoe mpisorona na mpaminany voafaritra mazava. Fa manondro ireo mpisorona sy mpaminany amin'ny ankapobeny izany. DH: "Ireo mpisorona sy mpaminany"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa tsy afaka manao ny asan'izy ireo ny mpisorona sy ny mpaminany satria mamo tampona izy ireo. DH: "tafintohina eny rehetra eny satria mamo izy ireo"
Ny fisotroan'izy ireo diso tafahoatra ka tsy afaka mihevitra mazava intsony dia resahina toy ny hoe nitelina azy ireo ny divay. DH: "nahatonga azy ireo ho very hevitra ny divay"
Tahaka azy ireo tena mamo ka tsy mandeha tsara, no maha-mamo azy ireo ka tsy mahatakatra ireo fahitana izay omen'Andriamanitra azy ireo na handray fanapahan-kevitra tsara.
Mampiasa io fanontaniana io mba hanakianana an'i Isaia, izay miezaka ny manitsy azy ireo ny mpaminany sy mpisorona mamo. DH: "Milaza ireo mpaminany sy mpisorona hoe: "Tsy tokony miezaka ny mampianatra anay momba ny hafatr'i Yaveh i Isaia!"
Mampiasa io fanontaniana io mba hanakianana an'i Isaia ireo mpaminany sy mpisorona mamo, satria tsapan'izy ireo fa manao azy ireo ho tahaka ny zazakely izy. DH: "Tsy tokony hanao anay tahaka ny zazakely izy!"
Manakiana an'i Isaia ireo mpaminany sy mpisorona mamo satria tsapan'izy ireo fa mamerina ireo didy izay tsotra toy ny hoe miresaka amin'ny zaza izy.
Eto ny "molotra" sy ny "fiteny" dia manambara ireo vahiny izay miteny fiteny samy hafa fa tsy izay tenenin'ny Israelita. Midika izany fa manondro ny tafika Asyriana izay hanafika ny Israely izany. DH: "Hiresaka amin'ny vahoakany amin'ireo miaramila fahavalo izay hiresaka fiteny vahiny Yaveh"
"molotra miambakavaka"
Ny anarana hoe "fitsaharana" dia afaka ambara ho tambiteny. DH: "Ity no toerana fitsaharana"
Ny anarana hoe "fitsaharana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "aoka ho tonga ary hitsahatra izay rehetra reraka"
Ny anarana hoe "famelombelomana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "ity no toerana izay ahafahanao maka aina"
Eto ny hoe "teny" dia manambara ny hafatra. DH: "ny hafatr'i Yaveh"
Ireo no teny izay nampiasain'ireo mpisorona sy mpaminany mamo mba hanakianana ny fomba nampianaran'i Isaia azy ireo. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 28:9.
DH: "mba ho tonga ary handresy azy ireo ary haka azy ireo ho babo ny tafik'i Asyria"
Ny olona resin'ny tafika fahavalo an'ady dia resahina toy ny hoe ho lavo ary ho tapaka ilay olona.
Ny fakan'ireo miaramila fahavalo ny vahoakan'Israely dia resahina toy ny hoe mpihaza izay mahazo biby ao anaty fandrika izy ireo.
Izao dia miresaka amin'ireo mpitarika ao Jerosalema Isaia. Eto ny hoe "teny" dia manambara hafatra. DH: "Koa henoy ny hafatr'i Yaveh"
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ireo mety ho heviny dia 1) nampiasa ody na mosavy mba hiezahana hanao fifanarahana amin'ireo andriamanitra ao amin'ny toeran'ny maty ireo mpitarika ao Jerosalema mba hiarovan'ireo andriamanitra ireo azy ireo mba tsy ho faty na 2) izany dia sarinteny izay miresaka ireo mpitarika manana fifanarahana amin'ireo mpitarik'i Egypta. Tena nahatoky tena ireo mpitarik'i Egypta fa hiaro fa tahaka ny nanao fifanarahana tamin'ireo andriamanitra any amin'ny toeran'ny maty ireo Egyptiana.
Io dia miresaka ny fitsarana sy ny sazin'i Yaveh toy ny hoe karavasy izay hamely ny olona izany. Ary ny karavasy dia resahina toy ny hoe tondra-drano izay handalo manerana an'i Jerosalema izany. DH: "Vokatr'izany, rehefa mijaly ary maty ny olona sasany, dia tsy hisy na inona na inona hanisy ratsy antsika"
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny "lainga" na "fitaka" dia resahina toy ny hoe toerana izay ahafahan'ny olona miafina ireo. Tsy hilaza ireo mpitarik'i Jerosalema fa matoky lainga izy ireo. Nino izy ireo fa tena voaaro. Nefa fantatr'i Isaia fa tsy voaaro izy ireo, satria natoky ny lainga. DH: "Satria tonga tahaka ny toerana izay ahafahan'izy ireo miafina ny loza ny lainga sy ny fitaka"
Ireo mety ho heviny dia 1) matoky ireo laingany izay nolazain'izy ireo mba hiarovan-tena ireo mpitarika na 2) matoky ireo mpitarika fa ny fanekena izay nataon'izy ireo tamin'ireo andriamani-tsy izy tao amin'ny toeran'ny maty no hiaro azy ireo na 3) matoky ireo mpitarika fa ny fifanarahana izay nataon'izy ireo tamin'ireo Egyptiana no hiaro azy ireo.
"Henoy izao"
Ny fandefasan'i Yaveh olona mahery mba hanampy ny vahoakan'Israely dia resahina toy ny hoe nanangana fototry ny trano mafy Yaveh.
"vato izay mafy"
"fanohanana mafy"
"Ny olona izay matoky izany vato fototra izany dia tsy mba hisy tsiny"
Mbola manohy mampitaha izay hataony amin'ireo vahoakan'i Jerosalema amin'ny mpanangana manangana trano Yaveh. (Jereo: 28:16)
Ny fitsapan'i Yaveh araka ny fahamarinana mba hamaritana raha rariny sy marina ny olona dia resahina toy ny hoe mpanangana izay mampiasa fitaovana Izy mba hamaritana ny zavatra raha marina ny refiny ary lafatra ny hahavony.
Mampiasa fitsipika ny mpanangana trano mba hamaritana raha marina ny refin'ny zavatra rehetra.
Mampiasa pilao ny mpanangana trano mba hamaritana raha mahitsy sy marina ny zavatra rehetra.
Ny fandatsahan'i Yaveh havandra be dia be dia resahina toy ny hoe tondra-drano manafotra izany. DH: "Handrava ny havandra"
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo dia fibangoanteny manambara ny zavatra rehetra amin'ny ankapobeny izay hahatonga faharavana na 2) ireo dia sarinteny manondro ny tafika fahavalo izay halefan'i Yaveh mba handringana ny vahoakan'i Jerosalema.
vaingan-dranomandry izay milatsaka avy any an-danitra.
Io dia miresaka momba ny "lainga" toy ny hoe toerana izay azon'ny olona hiafenana. Ireo dia manambara izay nitokian'ireo mpitarika tao Jerosalema mba hiarovana azy ireo amin'ny fanazian'i Yaveh. Ireo mety ho heviny dia 1) matoky ny laingan'izy ireo izay nolazain'izy ireo mba hiarovan-tena ireo mpitarika na 2) matoky ireo mpitarika fa ny fanekena izay nataon'izy ireo tamin'ireo andriamani-tsy izy tao amin'ny toeran'ny maty no hiaro azy ireo na 3) matoky ireo mpitarika fa ny fifanarahana izay nataon'izy ireo tamin'ireo Egyptiana no hiaro azy ireo. Jereo ny nandikanao izany andianteny izany ihany tao amin'ny 28:14.
Mbola manohy miresaka ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.
DH: "Hamafa ny fanekana izay nataonareo tamin'ny fahafatesana Aho, ary hamafa ny fifanarahana izay nataonareo tamin'ny Fiainan-tsy hita"
Ireo mety ho heviny dia 1) nampiasa ody na mosavy mba hiezahana hanao fifanarahana amin'ireo andriamanitra ao amin'ny toeran'ny maty ireo mpitarika ao Jerosalema mba hiarovan'ireo andriamanitra ireo azy ireo mba tsy ho faty na 2) izany dia sarinteny izay miresaka ireo mpitarika manana fifanarahana amin'ireo mpitarik'i Egypta. Tena nahatoky tena ireo mpitarik'i Egypta fa hiaro fa tahaka ny nanao fifanarahana tamin'ireo andriamanitra any amin'ny toeran'ny maty ireo Egyptiana. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 28:14.
"tsy haharitra"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny hoe "tondra-drano" dia fibangoan-teny izay manambara ny zavatra rehetra amin'ny ankapobeny izay hahatonga faharavana na 2) ny hoe "tondra-drano" dia sarinteny manondro ny tafika fahavalo izay halefan'i Yaveh mba handringana ny vahoakan'i Jerosalema.
DH: "handifotra anareo izany" na "handringana anareo izany"
Io dia fomba fiteny. DH: "isan'andro"
Midika izany hoe "mandritra ny andro tontolo"
Mbola manohy miresaka ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.
Mety ho ohabolana izay fantatry ny olona tamin'izany fotoana izany io. Midika izany fa izay inoan'izy ireo fa hiaro azy ireo amin'ny sazin'i Yaveh dia handiso fanantenana azy ireo tahaka ny fandriana izay fohy loatra na bodofotsy izay kely loatra.
Ny fiomanan'i Yaveh hanao zavatra dia resahina toy ny hoe nipetraka Izy ary dia hitsangana avy eo.
Ireo dia manondro ireo toerana izay nandresen'Andriamanitra tamim-pahagagana ireo tafika fahavalo.
"hanjary ho tezitra mafy Izy"
Izany asa izany dia tsy mahazatra satria mampiasa tafika vahiny mba handresy ny vahoakan'i Jerosalema fa tsy hanampy ny vahoakan'i Jerosalema mba handresy ny fahavalon'izy ireo Andriamanitra.
Ny fanasazian'i Yaveh ny vahoaka mafy kokoa dia resahina toy ny hoe hanenjana ny fatotr'izy ireo Izy. DH: "Hanenjana ny fatotrareo Yaveh" na "Hanasazy anareo mafy kokoa Yaveh"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:9.
Afaka averina soratana izany mba ambara amin'ny matoanteny hoe "mamotika" ny anarana hoe "famotehana". DH: "izay hamotehany ny vahoaka eran-tany"
Ity no manomboka ny fanoharana izay mifarana ao amin'ny 28:29.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny andianteny faharoa dia nampiasaina mba hanamafy ilay voalohany.
Eto ny "feo" dia manambara izay lazain'i Isaia. DH: "izay lazaiko"
Eto ny hoe "teny" dia manambara hafatra. DH: "ny hafatro"
Mampiasa fanontaniana fampisainana mba hampieritreretana lalina ny olona Isaia. DH: "Tsy mamboly ny tany hatrany hatrany mba hiasa foana ny tany ka tsy mamafy voa ny mpamboly"
Mbola manohy milaza ny fanoharana amin'ny vahoakan'i Jerosalema Isaia.
"Rehefa avy miasa ny tany ny mpamboly"
Mampiasa fanontaniana fampisainana mba hampieritreretana lalina ny olona Isaia. Raha tsy misy teny hilazana ireo voa ireo amin'ny fiteninao, dia afaka ambara amin'ny ankapobeny ireo. DH: "hamboly ny tsirairay amin'ny karazana voa amin'ny fomba tena izy ary amin'ny toerana tsara ho an'izany izy."
Ireo dia anarana zava-maniry izay zava-manitra. Mety manambara ireo amin'ny ankapobeny ho voan-java-manitra ampiasaina mba hanome hanitra ny sakafo ireo mpandika teny.
Ireo rehetra ireo dia anarana zava-maniry izay vary avokoa. Mety hanambara izany amin'ny ankapobeny hoe voam-bary ireo mpandika teny.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. DH: "Manampy ny mpamboly hahafantatra ny fomba hikarakarana ny tsirairay amin'ireo karazana zava-maniry ireo Yaveh"
Manohy milaza ny fanoharana amin'ny vahoakan'i Jerosalema Isaia.
DH: "tsy manasaraka ny nigela amin'ny zava-maniry amin'ny voa mafy ny mpamboly"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 28:25 izany.
DH: "na anakodiadia kodiarana mavesatra eo amin'ny komina izy"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 28:25 izany.
Manoritsoritra ny fomba tena hanasarahan'ny mpamboly ny voa amin'ny zava-maniry Isaia. DH: "nefa mikapoka ny nigela amin'ny hazo izy, ary mikapoka ny komina amin'ny tsora-kazo izy"
DH: "Mikosoka ny vary mba hanaovana mofo ny mpamboly nefa tsy atao kely loatra"
Ity no mamarana ny fanoharana nanomboka tao amin'ny 28:23. Ny leson'ny fanoharana efa mazava dia hoe tena hendry ireo mpamboly ka mihaino ny fananaran'i Yaveh momba ny fambolena sy ny fivelezana. Nefa ireo mpitarik'i Jerosalema dia adala satria tsy nihaino ireo fananaran'i Yaveh izay miresaka amin'ny alalan'i Isaia.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 1:9 izany.
1 Lozan'i Ariela, Ariela, ilay tanàna nitobian'i Davida! Ampio taona ny taona; aoka hitsingeringerina ny andro firavoravoana. 2 Fa hanao fahirano an'i Ariela Aho, ka hisaona sy hitomany izy; ary ho tahaka an'i Ariela izy Amiko. 3 Hitoby manodidina anao Aho sy hametraka fahirano hanemitra anao, ary hanangana manda hanohitra anao Aho. 4 Haetry ianao ka hiteny eny amin'ny tany; ho ambany avy eny amin'ny vovoka ny teninao. Ho tahaka ny angatra mivoaka ao amin'ny tany ny feonao, ary ny teninao dia halefaka tokoa avy ao amin'ny vovoka. 5 Ireo andian-jiolahy mpanafika anao dia ho tahaka ny vovoka madinika, ary maro amin'ireo izay masiaka no ho tahaka ny akofa izay levona. Hiseho tampoka izany, ao anatin'ny fotoana fohy. 6 Ho avy ao aminao miaraka amin'ny kotrok'orana, horohoron-tany, tabatabata be, miaraka amin'ny rivo-mahery sy tafio-drivotra, ary lelan'afo mandevona i Yaveh. 7 Ho tahaka ny nofy, fahitana amin'ny alina izany: Ny andian-jiolahin'ny firenena rehetra hiady hanohitra an'i Ariela sy ny fiarovana mafiny. Hanafika azy izy ireo ary ny fanamafisany hanery azy. 8 Ho tahaka ny lehilahy noana izay manonofy mihinana, kanefa rehefa mifoha izy dia foana ny kibony. Ho tahaka ny olona mangetaheta izay manonofy misotro, kanefa rehefa mifoha izy dia reraka, sady tsy afaka hetaheta. Eny, ho toy izany ny firenena lehibe maro izay miady hanohitra ny Tendrombohitra Ziona. 9 Ataovy talanjona ny tenanareo ka aoka ho talanjona; tampeno ny masonareo ka aoka ho jamba! Aoka ho mamo, kanefa tsy amin'ny divay; aoka hivembena, kanefa tsy amin'ny toaka. 10 Fa i Yaveh efa nandraraka ny fanahin'ny torimaso lalina tao aminareo. Efa nanirina ny masonareo Izy, ry mpaminany, ary efa nanarona ny lohanareo, ry mpahita. 11 Ireo fanambarana rehetra taminareo dia efa tahaka ny soratra ao amin'ny boky izay voatombo-kase, izay mety homen'ny olona ilay iray izay nampianarina, ka hatao hoe: "Vakio ity." Izy koa dia manao hoe: "Tsy azoko atao, satria voatombo-kase ity." 12 Raha omena ny iray izay tsy mahay mamaky ilay boky, ka hatao hoe: "Vakio ity," dia izy hanao hoe: "Tsy mahay mamaky aho." 13 Ny Tompo nanao hoe: "Manatona Ahy amin'ny vavany ireo vahoaka ireo ary mankalaza ahy amin'ny molotr'izy ireo, kanefa lavitra Ahy ny fon'izy ireo. Ny fankalazan'izy ireo Ahy dia didin'ireo olona izay nampianarina ihany. 14 Noho izany, indro, hivoaka hanao zava-mahagaga eo amin'ireo vahoaka ireo Aho, fahagagana arahina fahagagana. Ho foana ny fahendren'ny olon-kendrin'izy ireo, ary hanjavona ny fahazavan-tsain'ny olo-malin'izy ireo." 15 Lozan'ireo izay manafina lalina ny fikasany amin'i Yaveh, sy ireo izay miasa ao anaty haizina. Hoy izy ireo hoe: "Iza moa no mahita anay, ary iza no mahalala anay?" 16 Mampitsimbadi-javatra ianareo! Tokony heverina ho tanimanga ve ny mpanao tavy, mba hahafahan'ireo zavatra izay namboarina miteny mahakasika azy izay nanamboatra izany hoe: "Tsy nanao ahy izy," na ny zavatra novolavolaina hiteny momba ny namolavola azy hoe: "Tsy mahay izy"? 17 Vetivety monja, dia ho tonga saha i Libanona ary ny saha ho ala. 18 Amin'izany andro izany dia handre ny tenin'ny boky ny marenina, ary ny mason'ny jamba dia hahita ao amin'ny haizim-pito. 19 Ny ory dia hiravo ao amin'i Yaveh indray, ary ny mahantra eo amin'ireo olona dia hiravo ao amin'ilay Iray Masin'ny Israely. 20 Fa ireo masiaka dia hitsahatra, ary ny mpaniratsira dia hanjavona. Ireo rehetra izay tia manao ratsy dia hofoanana, 21 amin'ny sabatra no hanalana ny olona amin'ny mpanao ratsy. Mametraka fandrika ho azy izay mikatsaka ny rariny eo am-bavahady sy mametraka ny marina eo amin'ny lainga foana izy ireo. 22 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh mahakasika ny ankohonan'i Jakoba_Yaveh, izay nanavotra an'i Abrahama: "Tsy ho menatra intsony i Jakoba, na hivaloarika ny tavany. 23 Kanefa rehefa mahita ny zanany izy, izay asan'ny tanako, dia hanamasina ny anarako izy ireo. Hanamasina ny anaran'ilay Iray Masin'i Jakoba izy ireo ary hijoro amin-tahotra an'Andriamanitr'i Israely. 24 Ireo izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahazavan-tsaina, ary ireo mpitaraina dia hahazo fahalalana."
Eto "Ariela" dia manambara ny vahoaka izay mipetraka ao amin'ny tanànan'i Ariela. DH: "Tena ho ratsy ny an'ny vahoakan'i Ariela"
Io dia anaran'i Jerosalema hafa, ary midika hoe "alitara" izany. Raha mety dia adikao hoe "Ariela" fa tsy "Jerosalema" izany satria ny dikan'ny ''Ariela" dia manan-danja ao amin'ny 29:2.
"nitoeran'i Davida" na "nonenan'i Davida"
"Ataovy isan-taona ny fankalazana ny firavoravoanareo." Io dia fanambarana maneso. Milaza ny olona mba hitana ny fankalazana ny firavoravoan'izy ireo izay hanaovan'izy ireo sorona ho Azy Yaveh, nefa fantany fa tsy hanakana Azy tsy handrava azy ireo izany.
Ny teny hoe "Aho" dia manondro an'i Yaveh. Io dia manambara an'i Yaveh nahatonga ny tafika fahavalo hanao fahirano an'i Jerosalema.
Eto ny hoe "izy" dia manondro an'i Ariela, izay manambara ny vahoakan'i Ariela. DH: "ary ho...ny vahoakan'i Ariela"
Ny teny hoe "misaona" sy "mitomany" dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry ny herin'ny fisaonana. DH: "nisaona mafy izy ireo"
Mety hanampy fanamarihana izay manao hoe: "Ny anarana Ariela dia midika hoe 'alitara'" ireo mpandika teny.
Ny teny hoe "Aho" dia manondro an'i Yaveh. Io dia manambara an'i Yaveh mahatonga ny tafika fahavalo hanodidina an'i Jerosalema. DH: "Handidy ny tafik'ireo fahavalo mba hanodidina anao Aho"
Ny "temitra" dia tilikambo izay hamboarin'ireo miaramila mba hanafihana ireo tanàna amin'ny manda avo. Ny "tovon-tany" ihany koa dia fitaovana samihafa izay hatsangan'ireo tafika mba hanafihana ireo tanàna.
DH: "Hanetry anao ny fahavalonao"
Ireo fehezanteny rehetra ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Manindry ireo fa ny olona izay niresaka tamin'ny teny am-piavonavonana dia ho osa ary alahelo rehefa resin'ny fahavalo izy ireo. DH: "ary ianao dia ho afaka hiteny bitsibitsika mora tahaka ny fanahy miresaka avy amin'ny fitoeran'ny olona maty fotsiny ihany"
Io dia manindry fa malemy sy tsy misy dikany ny fandosiran'ny tafika eo anatrehan'Andriamanitra. DH: "hanala mora foana ny andian-jiolahy mpanafika anao sy ny vahoaka maro be izay masiaka Yaveh"
"ireo miaramila maro be izay hanafika anao"
Mety hanampy hoe "ho" ny mpandika teny. DH: "ireo miaramila izay tsy maneho indra-fo aminao dia ho tahaka ny akofa"
Ny teny hoe "aminao" dia manondro ny vahoakan'i Jerosalema. Ireo mety ho heviny dia 1) "ho tonga mba hanampy anao Yaveh tompon'ny maro" na 2) "ho tonga mba hanasazy anao Yaveh tompon'ny maro."
Ny andianteny hoe "fahitana amin'ny alina" dia mitovy amin'ny "nofy" ihany. Ireo andianteny roa ireo dia manindry fa tsy ho ela dia ho tahaka ny hoe tsy teo mihitsy ny tafika mpandositra.
"Tafika lehibe avy amin'ireo firenena rehetra"
Io dia anaran'i Jerosalema hafa, ary midika hoe "alitara" izany. Raha mety dia adikao hoe "Ariela" fa tsy "Jerosalema" izany satria ny dikan'ny ''Ariela" dia manan-danja ao amin'ny 29:1. DH: "niady tamin'ny vahoakan'i Ariela"
Ny teny hoe "azy" dia manondro an'i Ariela izay manambara ny vahoaka izay mipetraka ao. DH: "ny fiarovana mafin'izy ireo. Hanafika ny tanànan'i Ariela sy ny fiarovan'izany izy ireo ary hahatonga ny vahoaka ho ao anaty fahoriana lehibe izy ireo"
Ireo fampitahana ireo dia midika fa hanantena fandresena ny fahavalo nefa tsy hahomby izy ireo satria tsy hamela azy ireo handresy an'i Jerosalema Andriamanitra.
Eto ny "Tendrombohitra Ziona" dia manambara ny vahoaka izay mipetraka ao. DH: "Eny, ho tahaka izany no hahazo ireo tafika izay avy amin'ireo firenena izay miady amin'ny vahoaka izay mipetraka ao amin'ny Tendrombohitra Ziona"
Ny teny hoe "tenanareo" dia manondro ny vahoakan'i Jerosalema. Ny antony mahatalanjona azy ireo dia afaka atao mazava. DH: "Aoka ho talanjona amin'izay holazaiko anareo ianareo"
Ny olona tsy miraharaha izay lazain'i Yaveh dia resahina toy ny hoe manajamba ny tenany izy ireo. DH: "aoka tsy hahalala hatrany ary ho jamba ara-panahy amin'izay asehoko anareo ianareo"
Ny maha-tsy misy dikany ny vahoaka sy ny tsy hahatakarany izay ataon'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mamo izy ireo. DH: "Aoka tsy hahazo tahaka ny olona mamo, nefa tsy satria nisotro divay na toaka be loatra ianareo"
Eto ny hoe "fanahin'ny" dia midika hoe "manana toetran'ny" olona matory. Ny fanaovan'i Yaveh ny olona hatory dia resahina toy ny hoe rano izay afaka araraka amin'ny vahoaka ny "torimaso". Ary ny "torimaso lalina" ihany koa dia sarinteny izay midika fa tsy mahazo na mahatakatra izay ataon'i Yaveh ny olona. DH: "Ny antony tsy ahazoanareo dia satria nahatonga anareo ho matory ara-panahy Yaveh"
Ny fanaovan'i Yaveh ny olona tsy hahazo na hatakatra izay ataony dia resahina toy ny hoe nanakipy ny mason'izy ireo ary nanarona ny lohan'izy ireo Yaveh mba tsy hahita izy ireo. DH: "Izany dia satria nanakatona ny mason'ireo mpaminany ary nanarona ny lohan'ireo mpahita Yaveh"
Ireo mpaminany hafa ao Jerosalema dia tsy afaka mandre na mahatakatra ny hafatr'Andriamanitra. DH: "Ny rehetra izay nambaran'i Yaveh dia tahaka ny boky voatombo-kase aminareo"
Afaka ambara amin'ny fehezanteny vaovao io. DH: "izay voatombo-kase. Mety hisy olona haka ilay boky voatombo-kase ka hanome izany ho an'ny olona izay mahay mamaky teny"
DH: "Raha misy olona maka ilay boky mba homena olona izay tsy afaka mamaky teny"
Ny teny hoe "vava" sy "molotra" dia manambara izay lazain'ny olona. Eto dia manambara ny filazana zavatra ihany koa izany nefa tsy tena izany no dikany. DH: "Tokony hanompo Ahy sy hanome voninahitra Ahy amin'izay lazain'izy ireo ny vahoakan'i Jerosalema"
Eto ny hoe "fo" dia sarinteny izay manambara ny hevitra sy fihetseham-pon'ny olona. Ny olona izay tsy tena nanolo-tena ho an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe lavitra Azy ny fon'izy ireo. DH: "nefa tsy manome voninahitra Ahy ao an-tsainy izy ireo" na "nefa tsy tena manolo-tena ho Ahy izy ireo"
DH: "Mankalaza Ahy izy ireo satria izany ihany no nolazain'ny olona mba hataon'izy ireo"
"Noho izany, indro! Efa hanao zava-mahagaga sy mahafinaritra eo aminareo izay tsy ho hainareo hazavaina Aho"
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny fanehoan'i Yaveh fa tsy afaka matakatra na manazava izay ataon'i Yaveh dia resahina toy ny hoe ho foana ny fahendren'izy ireo sy ny fahazavan-tsainy.
Mety ho Isaia miresaka na mety manohy ny tenin'i Yaveh tao amin'ny 29:13-14 ity.
Ny fiezahan'ny olona hanao fikasana nefa tsy mahalala ny momba izany Yaveh dia resahina toy ny hoe manafina ny fikasan'izy ireo any amin'ny toerana lalina izay tsy ho hitan'i Yaveh izy ireo. DH: "izay miezaka ny manafina ny fikasan'izy ireo amin'i Yaveh" na "izay miezaka ny tsy mamela an'i Yaveh hahafantatra izay kasain'izy ireo atao"
Midika izany fa manao zavatra ratsy miafina izy ireo. DH: "izay manao zavatra ratsy ao amin'ny maizina mba tsy hisy hahita azy ireo"
Mampiasa fanontaniana izy ireo mba hanindriana fa nino izy ireo fa tsy nisy olona nahafantatra izay ataon'izy ireo. DH: "Tsy misy olona, na dia Yaveh aza, mahita anay na mahalala izay ataonay!"
Io dia fomba fiteny izay midika hoe manova izay marina. DH: "Mampifanohitra ny zavatra amin'ny tokony ho izy ianareo" na "Mamadika ny marina ianareo"
Yaveh izay nahary ny olombelona dia resahina toy ny hoe mpanefy tanimanga Izy ary tanimanga ny olombelona. Io sarinteny io dia manindry fa hadalana ho an'ny olombelona ny mandà na manakiana Ilay izay nahary azy ireo. DH: "Tokony hihevitra Ahy, mpahary anareo, ho tahaka ny tanimanga fa tsy mpanefy tanimanga ve ianareo? Izany dia tahaka ny hoe raha namorona zavatra ny mpanefy tanimanga, ka miteny momba ny mpanefy tanimanga izany zavatra izany hoe: 'Tsy nanao ahy izy' na 'Tsy mahay izy.'"
Io fanontaniana io dia nampiasaina mba hibedesana ny vahoakan'i Jerosalema. DH: "Mazava, fa tsy tokony hihevitra ny mpanefy tanimanga ho toy ny tanimanga...'Tsy mahay izy."'
Ireo mety ho heviny dia 1) Ara-bakiteny izany ary hahatonga ireo toerana izay hanirian'ny hazo any Libanona mba ho lasa saha mamokatra Yaveh na 2) io dia sarinteny ary ny alan'i Libanona matevina dia manambara ny herin'ny mpampahory, ary ireo vokatra izay maniry eo amin'ny saha ary ho lasa ala ny olona izay mijaly. Midika izany fa hanetry ireo izay mahery Yaveh, nefa hanome voninahitra ireo izay mijaly.
Eto ''Libanona" dia manambara ny alana sedera lehibe any Libanona. DH: "Hamadika ny ala matevina any Libanona ho lasa saha Andriamanitra"
Ireo mety ho heviny dia 1) io dia ara-bakiteny ary hahatonga ny olona marenina handre ary ny olona jamba hahita Yaveh na 2) io dia sarinteny izay midika fa hamela ny olona mba handre ary hahatakatra ny hafany Yaveh na 3) mety sady midika ilay faha 1 sy faha 2 izany.
Eto ny "maso" dia manambara ilay olona manontolo. DH: "ireo izay jamba"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. DH: "Ho faly indray noho izay nataon'i Yaveh, ilay Iray Masin'Israely, ny olona mahantra sy ory"
DH: "Fa hitsahatra ireo olona masiaka" na "Fa tsy hisy olona masiaka intsony"
Ny tambinteny hoe "mpaniratsira" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "ary ireo izay maniratsira dia hanjavona"
DH: "Hanafoana ny rehetra izay tia manao ratsy Yaveh"
Eto ny hoe "teny" dia manambara ny vavolombelona eo amin'ny fitsarana. DH: "izay milaza eo amin'ny fitsarana fa meloka tamin'ny fanaovana diso ny olona tsy manan-tsiny"
Ny olona ratsy manao zavatra izay tsy mahavita manatsahatra ny olona tsara dia resahina toy ny hoe mametraka fandrika tahaka ny mpihaza mihaza ny hazany. DH: "Mametraka ary miezaka manatsahatra ireo izay te hanao izay rariny sy marina izy ireo"
Ny vavahadin'ny tanàna matetika dia toerana izay hanapahan'ireo mpitarika ao an-tanàna hevitra am-pahibemaso.
Eto ny hoe "ankohonana" dia manambara fianakaviana. DH: "ireo taranak'i Jakoba"
Izany dia mety manondro ny fotoana niantsoan'i Yaveh an'i Abrahama avy any an-tanàna fonenany ary nandefa azy tany amin'ny tany nampanantenaina.
Eto ny hoe "Jakoba" dia manambara ireo taranany. DH: "Tsy ho menatra intsony ireo taranak'i Jakoba...ny tavan'izy ireo...mahita ny zanak'izy ireo"
Io dia fomba fiteny izay midika fa tsy hatahotra intsony izy ireo. DH: "tsy hatahotra izy ireo"
Eto ny hoe "tanana" dia manambara ny herin'i Yaveh sy ny asany. DH: "Rehefa mahita ny zanany rehetra izy ireo dia efa nanome azy ireo sy ny rehetra izay nataoko Aho"
Eto ny hoe "anarana" dia manambara an'i Yaveh. DH: "hanome voninahitra Ahy izy ireo"
Eto ny hoe "anarana" dia manambara an'i Yaveh. Manondro ny tenany amin'ny hoe "Ilay Iray Masin'i Jakoba" Yaveh. DH: "Hanome voninahitra Ahy, Ilay Iray Masin'i Jakoba izy ireo"
Manondro ny tenany amin'ny hoe "Ilay Andriamanitr'Israely" Yaveh. DH: "Amiko, Andriamanitr'Israely"
Eto ny hoe "fanahy" dia manambara ny ao anatin'ny olona. DH: "Ireo izay diso tamin'izay noheverin'izy ireo" na "Ireo izay diso amin'ny toe-tsain'izy ireo"
Afaka atao mazava kokoa izany mba hanazava hoe inona no ho takatr'izy ireo. DH: "hanomboka hahatakatra an'i Yaveh sy ireo lalàny"
Afaka atao mazava kokoa izany mba hanazava hoe fahalalana inona no hianaran'izy ireo. DH: "ireo izay mitaraina dia hanomboka hahafantatra fa marina izay ampianarin'i Yaveh azy ireo"
1 "Loza ho an'ireo ankizy mpikomy," izany no fanambaran'i Yaveh. "Manao fikasana izy ireo, fa tsy avy amiko; manao fihavanana amin'ny firenena hafa izy ireo, saingy tsy notoroan'ny Fanahiko lalana, koa dia manampy fahotana omban'ny fahotana izy ireo. 2 Mivonona ny hidina ho any Egypta izy ireo, saingy tsy nangataka ny toro-lalako. Mitady fiarovana avy amin'i Farao izy ireo ary mialoka ao amin'ny alok'i Egypta. 3 Noho izany dia ho fahamenaranareo ny fiarovan'i Farao, ary ny fialofana eo amin'ny alok'i Egypta, ho fahafaham-barakanareo, 4 na dia any Zoana aza ny andrian'izy ireo, ary tonga tany Hanesa ireo mpitondra hafany. 5 Ho menatra avokoa izy rehetra nohon'ny amin'ny vahoaka iray izay tsy afa-manampy azy ireo, izay sady tsy fanampiana no tsy famonjena, fa fahamenarana, ary fahafaham-baraka mihitsy aza." 6 Fanambarana momba ireo bibidian'i Negeva: Avy amin'ny tanin'ny fahoriana sy loza, liom-bavy sy lion-dahy, ny menarana sy ny bibilava mirehitra manidina, no hitondran'izy ireo ny hareny eo an-damosin'ny boriky, ary ny rakiny eo amin'ny vohon'ny rameva, ho any amina vahoaka izay tsy afa-manampy azy ireo. 7 Fa tsy misy dikany ny fanampian'i Egypta; noho izany dia nantsoiko hoe Rahaba izy, izay mipetraka tsy mihontsina. 8 Mandehana izao, soraty eo amin'ny fanatrehan'izy ireo amin'ny vato fisaka izany, ary raketo ao amina horonan-taratasy, mba ho voatahiry ho amin'ny andro ho avy ho fijoroana vavolombelona. 9 Fa vahoaka mpikomy ireo, ankizy mpandainga, ankizy izay tsy mba handre ny fampianaran'i Yaveh. 10 Hoy izy ireo amin'ny mpahita hoe: "Aza mahita;" ary amin'ireo mpaminany hoe: "Aza maminany ny marina aminay; milazà teny mandoka aminay, maminania nofinofy. 11 Mihodìna hiala amin'ny lalana, mivilia amin'ny lalana; ataovy mitsahatra miteny eo anatrehan'ny tavanay ilay Iray Masin'Israely." 12 Noho izany dia hoy ny Iray Masin'Israely hoe: "Satria mandà izao teny izao ianareo ary matoky ny fampahoriana sy fitaka ka miantehitra amin'izany, 13 koa izany fahotana izany dia ho tahaka ny singa vaky izay vonona ny hianjera aminao, tahaka ny triatra eo amin'ny rindrina avo izay ho tampoka ny fianjerany, ao anatin'ny fotoana fohy." 14 Ho vakiany tahaka ny fahavakisan'ny lovian'ny mpanefy tanimanga izany; tsy hiaro izany Izy, ka tsy hisy potiny ho hita eo amin'ireo vakiny izay azo hanalana ny afo avy ao am-patana, na handoarana ny rano avy ao amin'ny siniben-drano. 15 Fa izao no lazain'ny Tompo Yaveh, ilay Iray Masin'Israely: "Ho avotra amin'ny fiverenana sy fijanonana ianareo; amin'ny fahanginana sy fatokiana no ho herinareo. Saingy tsy nanam-piniavana ianareo. 16 Hoy ianareo hoe: 'Tsia, fa handositra amin'ny soavaly izahay,' koa dia handositra ianareo; ary, 'Hitaingina soavaly faingam-pandeha izahay,' koa dia ho faingam-pandeha ireo izay manenjika anareo. 17 Arivo no handositra noho ny fampitahoran'ny iray; amin'ny fampitahoran'ny dimy no handosiranareo ambara-pahatongan'ny sisa tavela aminareo ho tahaka ny tahon-jozoro eny an-tampon-tendrombohitra, na tahaka ny zozoro eny amin'ny havoana." 18 Fa mbola miandry ny hamindra fo aminareo Yaveh, noho izany dia vonona ny haneho fiantrana aminareo Izy. Fa Yaveh dia Andriamanitry ny rariny; sambatra ireo izay miandry Azy. 19 Fa hisy vahoaka honina any Ziona, any Jerosalema, ary tsy hitomany intsony ianareo. Hamindra fo amin'ny feon'ny fitarainanareo tokoa Izy. Rehefa reny izany, dia hamaly anareo Izy. 20 Na dia manome anareo ny mofon'ny ady sarotra sy ny ranon'ny fampahoriana aza Yaveh, na dia izany aza, dia tsy hiafina intsony ny mpampianatrareo, fa hahita ny mpampianatrareo amin'ny masonareo mihitsy ianareo. 21 Ny sofinareo handre teny avy aorianareo hanao hoe: "Ity no lalana, amin'ity mandeha," na mivily ho amin'ny ankavanana na mivily ho amin'ny ankavia ianareo. 22 Ho zimbazimbainareo ireo sary voasokitrareo izay norakofana volafotsy sy ireo sary an'idina volamena. Harianareo tahaka ny vorodamban'ny fadimbolana izany. Hiteny amin'ireny ianareo hoe: "Mialà eto." 23 Hanome orana ho an'ny volinareo Izy rehefa mamafy eny amin'ny tany ianareo, ary mofo mitobatobaka avy amin'ny tany, ary ny vokatra dia hitobatobaka. Amin'izany andro izany dia hiraoka eny amin'ny amin'ny ahitra midadasika ireo biby fiompinareo. 24 Ireo omby sy ireo boriky, izay miasa tany, dia hihinana ny voaisy sira izay nokororohina tamin'ny angady sy angady fitrebika. 25 Eny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana ambony rehetra, dia hisy lohasahan-driaka hikoriana ary rano mandeha, amin'ny andron'ny famonoana lehibe izay hianjeran'ny tilikambo. 26 Ho tahaka ny fahazavan'ny masoandro ny fahazavan'ny volana, ary ny fahazavan'ny masoandro dia hamiratra impito-heny, tahaka ny tara-masoandron'ny andro fito. Hamehy ny fanorotoroana ny olony Yaveh ary hanasitrana ny ferin'ny nandratrany azy ireo. 27 Indro, ny anaran'i Yaveh dia tonga avy any amin'ny toerana lavitra, mirehitra amin'ny fahatezerany sy setroka matevina. Feno fahavinirana ny molony, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona. 28 Ny fofonainy dia tahaka ny fikijan'ny riaka izay mahatratra hatrany amin'ny tenda kely, mba hanivana ny firenena amin'ny sivan'ny fandringanana. Ny fofonainy dia hisatra amin'ny valanoranon'ny olona mba hahatonga azy ireo hirenireny. 29 Hanana hira toy ny amin'ny alina hitandremana ny firavoravoana masina ianareo, ary firavoravoam-po, tahaka ny amin'ny fandehanan'ny olona miaraka amin'ny sodina ho eny an-tendrombohitr'i Yaveh, ho eo amin'ny Vatolampin'Israely. 30 Hataon'i Yaveh re ny fampirapiratan'ny feony ary hasehony ny fiofaofan'ny sandriny amin'ny fahatezerana mirehitra sy lelafo, amin'ny tafio-drivotra, oram-baratra, ary havandra. 31 Fa amin'ny feon'i Yaveh, dia hianjera i Asyria; hamely azy ireo amin'ny tehina Izy. 32 Ny kapoka rehetra amin'ilay tsora-kazo voatendry izay hapetrak'i Yaveh amin'izy ireo dia hiarahan'ny feon'aponga tapaka sy valiha eo am-pitolomany sy hiadiany amin'izy ireo. 33 Fa misy toerana fandorana voaomana hatry ny ela. Eny tokoa, voaomana ho an'ny mpanjaka izany, ary nataon'Andriamanitra lalina sady malalaka. Efa vonona amin'ny afo sy kitay be dia be ny antontany. Ny fofonain'i Yaveh, tahaka ny fandriaky ny solifara, dia handrehitra izany.
Miresaka ny vahoakany toy ny hoe zanany Yaveh.
Afaka ovaina ny teny ka hambara amin'ny matoanteny hoe "nilaza tamin'ny fomba manetriketrika" ny anarana hoe "fanambarana". DH: "izany no nambaran'i Yaveh" na "izany no nolazain'i Yaveh"
Afaka ovaina ny teny ka hambara amin'ny matoanteny hoe "mikasa" ny anarana hoe "fikasana". DH: "Mikasa ny hanao zavatra izy ireo, nefa tsy nanontany Ahy izay tiako hataon'izy ireo akory"
DH: "saingy tsy nitari-dalana azy ireo ny Fanahiko"
Ny fitohizana manota dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka nifanampy izany. DH: "mbola manohy manota kokoa izy ireo"
Afaka ovaina ny teny ka hambara amin'ny matoanteny hoe "miaro" ny anarana hoe "fiarovana". DH: "Mangataka an'i Farao mba hiaro azy ireo izy ireo"
Ny fiarovan'i Egypta tsy ho azon'ireo tafika fahavalo dia resahina toy ny hoe aloka izay miaro olona tsy ho main'ny andro izany. DH: "miantehitra amin'ireo Egyptiana mba hiaro azy ireo izy ireo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Joda Yaveh.
Afaka ovaina ny teny ka hambara amin'ny tambinteny na matoanteny ny anarana hoe "fiarovana", "fahamenarana", ary "fahafaham-baraka". DH: "Noho izany dia ho menatra ianareo satria niantehitra tamin'i Farao mba hiaro anareo; ho afa-baraka ianareo satria niantehitra tamin'ireo Egyptiana mba hiaro anareo"
Ny fiarovan'i Egypta tsy ho azon'ireo tafika fahavalo dia resahina toy ny hoe aloka izay miaro olona tsy ho main'ny andro izany.
Eto ny hoe "andriana" dia midika hoe manam-boninahitra na ambasadora, fa tsy tena hoe ireo zanaka lahin'ny mpanjaka.
Ireo teny ireo dia manondro ny vahoakan'i Joda.
Ireo dia tanàna any amin'ny faritra avaratr'i Egypta.
Eto ny hoe "tonga" dia afaka ambara hoe "lasa".
"nohon'ny vahoakan'i Egypta"
Ity dia manohy ny fanambaran'Andriamanitra mahakasika ny vahoakan'i Joda.
"Izany no ambaran'i Yaveh"
Io dia manondro ireo karazam-biby amin'ny ankapobeny. DH: "izay itoeran'ny liom-bavy sy lion-dahy, ary izay misy vipera sy bibilava"
Eto ny teny hoe "mirehitra" dia mety manondro ny kaikitry ny bibilava misy poizina ary ny teny hoe "manidina" dia manondro ny fikisak'izany malaky. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 14:28.
"mitondra ny haren'izy ireo ny vahoakan'i Joda"
Misy tantara malaza momba ny biby be ao an-dranomasina antsoina hoe Rahaba. Ny anarana hoe Rahaba dia midika hoe "hery" na "avonavona". DH: "Miantso an'i Egypta hoe mpieboebo fatratra izay tsy manao na inona na inona Aho"
Mbola manohy miresaka amin'i Isaia i Yaveh.
Io teny io eto dia manamarika fihatoana tao amin'ny fanambaran'i Yaveh momba an'i Joda. Eto dia milaza amin'i Isaia mba hanao zavatra Izy.
"eo amin'ny fanatrehan'ny vahoakan'i Joda"
Io dia miresaka fotoana toy ny hoe mandeha ary tonga amin'ny toerana izany. DH: "ho amin'ny fotoana hoavy"
Io dia miresaka ny vahoakan'i Yaveh toy ny hoe zaza izy ireo. Afaka adika amin'ny fehezanteny vaovao izany. DH: "Nitondra-tena toy ny zaza izay mandainga sy tsy mihaino izay andidian'i Yaveh izy ireo"
Mbola manohy miresaka momba ny vahoakan'i Joda Yaveh.
Ny fomba tian'i Yaveh hitondran'ny vahoakany ny tenany dia resahina toy ny hoe lalana izay andehanana izany. Ny tsy fankatoavana an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe miala amin'ny lalan'i Yaveh ny olona.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 izany.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 izany.
Eto ny hoe "teny" dia manambara hafatra. DH: "mandà izao hafatra izao ianareo"
Ireo mety ho heviny dia 1) matoky ireo mpitarika Egyptiana izay manapaka amin'ny fampahoriana sy famitahana ireo hafa ireo mpitarik'i Joda na 2) nampahory sy namitaka ny vahoakan'izy ireo mba hakana ny volan'izy ireo ary handefasana izany any amin'ireo mpitarika Egyptiana mba ho vidin'ny fiarovana ireo mpitarik'i Joda.
Eto ny teny hoe "izany" dia manondro ny "fampahoriana sy famitahana". DH: "miantehitra amin'ireo"
Io dia fomba fiteny izay midika hoe matoky na miankina amin-javatra.
Io dia fampitahana izay midika fa handringana ny vahoakan'i Joda tampoka noho ny otan'izy ireo Andriamanitra.
Takatra fa ny potiky ny rindrina izany. DH: "tahaka ny potika amin'ny rindrina izay efa hianjera"
Afaka ovaina ny teny ka hambara amin'ny matoanteny hoe "mianjera" ny anarana hoe "fianjerana". DH: "izay hianjera tampoka"
Ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry ny hafaingan'ny hianjeran'ny rindrina.
Manoritsoritra ny fomba handringanan'i Yaveh ny vahoakan'i Joda i Isaia. (Jereo: 30:12)
Eto ny hoe "izany" dia manondro ilay silaky ny manda izay efa hianjera. Ny silaky ny manda dia sarinteny izay manambara ny vahoakan'i Joda sy ny fahotan'izy ireo nolazaina tao amin'ny 30:12.
Io fampitahana io dia midika fa ho vaky faingana ary tanteraka tahaka ny siny tanimanga izay mianjera amin'ny tany ilay silaka manda.
Ny mpanefy tanimanga dia olona izay manao vilany sy siny amin'ny tanimanga.
DH: "tsy misy olona ho afaka mahita" na "tsy hisy"
Ny teny hoe "afo" eto dia manondro ny lavenona. DH: "lavenona avy ao amin'ny fitoeran'afo"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 izany.
Ny fibebahana dia resahina toy ny hoe fiverenana any amin'i Yaveh ara-batana. DH: "Hamonjy anareo amin'ireo fahavalonareo Aho raha hibebaka ianareo ary hijanona hahalala fa mikarakara anareo Aho"
Midika izany fa mitsahatra ny olona satria matoky izy ireo fa hikarakara azy ireo Yaveh.
Ny fahanginana eto dia manondro hoe tsy miahiahy sy matahotra. Midika izany fa tsy matahotra izy ireo satria matoky an'i Yaveh. DH: "Hahery ianareo raha mangina sy matoky Ahy"
Ireo dia soavaly izay azon'ny vahoakan'i Joda tamin'ireo Egyptiana.
Ny teny hoe "miaramila" dia efa takatra. DH: "Miaramila arivo no handositra nohon'ny fampitahoran'ny iray; amin'ny fampitahoran'ny miaramila fahavalo dimy no handosiran'ireo miaramilanareo rehetra"
"1.000"
Io fampitahana io dia midika fa hisy vahoaka vitsivitsy tavela izay ho tahaka ny faneva tokana eo an-tampon-kavoana.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Joda i Isaia.
Eto ny hoe "ianareo", "anareo" dia manondro ny vahoaka izay hipetraka any Ziona.
"hanampy anareo Izy"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Joda i Isaia.
Eto ny hoe "mofo" sy "rano" dia anaovana ny sakafon'ny olona tena mahantra. Ny andianteny manontolo dia manambara ireo fotoana sarotra sy ny fahantran'ny vahoaka.
Io dia manondro an'i Yaveh.
Eto ny hoe "masonareo" dia manambara ny olona manontolo. DH: "ianareo mihitsy no hahita ny mpampianatrareo"
Eto ny hoe "sofina" dia manambara ny olona manontolo. DH: "Ho renareo"
Eto ny hoe "teny" dia manambara ilay olona miteny. DH: "izy izay miteny ao ivohonao manao hoe"
Ny fomba tian'i Yaveh hitondran'ny vahoaka ny tenany dia resahina toy ny hoe lalana izany. Ny fankatoavana an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe olona mandeha amin'ny lalany izany.
Ny tsy fankatoavana an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe olona izay mivily miankavia na miankavanana miala amin'ny lalan'i Yaveh.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Joda i Isaia.
Io fampitahana io dia midika fa hanary ireo sampin'izy ireo tahaka ny fako izy ireo.
Io dia miresaka ireo sampy toy ny hoe afaka mandre sy miakatra ary miala amin'ny toerana iray ireo. Ny tian'i Yaveh lazaina dia hoe tsy hila na ho tia ireo sampy intsony ny vahoaka.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Joda i Isaia.
"Hanome...Yaveh"
Eto ny hoe "mofo" dia manambara ny sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "hahatonga ny tany hamokatra sakafo be dia be mba hohaninareo Izy"
Eto ny hoe "andro" dia manambara fe-potoana amin'ny ankapobeny. DH: "amin'izany fotoana izany"
Ny angady sy angady fitrebika dia nampiasaina mba hamafazana voa eny amin'ny rivotra mba hitsoka hanala ny akofa ny rivotra, ka izay azo ho hanina ihany no tavela. DH: "izay nokororohinareo tamin'ny angady sy angady fitrebika"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Joda i Isaia.
Manoritsoritra izay ho tranga tena lafatra aorian'ny hamonjen'i Yaveh ny vahoakany Isaia. Kanefa mety manitatra ny fiteny, ka afaka mandika izany araka ny nanoritsoritan'i Isaia azy ihany ianao.
"rehefa mamono ireo fahavalonareo sy hahatonga ny tilikambo mafin'izy ireo hianjera Yaveh"
Eto ny hoe "andro" dia manambara fe-potoana amin'ny ankapobeny. DH: "amin'izany fotoana izany"
"hamiratra impito heny amin'ny hazavan'ny masoandro ny masoandro" na "hanome hazavana be amin'ny andro iray tsy tahaka ny isan'andro amin'ny hafitoana ny masoandro"
Ny fankaherezan'i Yaveh ny vahoakany sy ny fanaperany ny fijalian'izy ireo dia resahina toy ny hoe hametaka bandy eo amin'ny ratran'izy ireo Izy"
Ny fahatezeran'i Yaveh diso tafahoatra dia resahina toy ny hoe afo lehibe Izy.
Eto ny hoe "anarana" dia manambara an'i Yaveh. DH: "Tonga Yaveh"
Eto ny hoe "molotra" sy "lela" dia sarinteny izay manambara an'i Yaveh miteny. Ary, Yaveh dia miresaka amin'ny fahatezerana sy hery lehibe izay resahina toy ny hoe afo ny lelany. DH: "Rehefa miresaka amin'ny fahavinirany Izy dia tahaka ny afo izay mandrava ny zavatra rehetra izany"
Io dia mampitaha ny rivotra mivoaka avy ao amin'ny molotr'i Yaveh amin'ny tondra-drano mba hanindriana ny herin'izany izay mandrava.
Ny fanasarahan'i Yaveh ny vahoakan'ireo firenena sy ny fandringanany ny olona ratsy fanahy dia resahina toy ny hoe mametraka ireo firenena ao anaty sivana Yaveh. Afaka adika amin'ny fehezanteny vaovao izany. DH: "Hanasaraka sy handringana ny olona ratsy fanahy ao amin'ireo firenena Yaveh"
Ny fananan'i Yaveh hery mba hahatonga ny tetiky ny olona tsy hahomby na hahatonga azy ireo ho ringana dia resahina toy ny hoe lamboridy izay manalavitra ny olona amin'ny lala-marina ny fofon'ainy.
Ny "lamboridy" dia zavatra izay apetaky ny olona eo am-bavan'ny soavaly mba hitarihana izany. Ny lamboridy dia misy singa kely antsoina hoe "kely" izay apetaka eo amin'ny vavan'ny soavaly. DH: "ny lamboridy eo amin'ny lohan'ny vahoaka" na "ny lamboridy eo amin'ny valanoranon'ireo vahoaka"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Joda i Isaia.
Afaka ovaina ny teny ka hambara amin'ny matoanteny ny anarana hoe "hira". DH: "Hihira ianareo"
Io fampitahana io dia manindry fa tena ho faly ny vahoaka.
DH: "rehefa mitandrina ny firavoravoana masina ianareo"
Eto ny hoe "fo" dia manambara ny ao anatin'ny olona. DH: "ary ho ravoravo ianareo"
Io fampitahana io dia manindry fa tena ho faly ny vahoaka.
Ny fananan'i Yaveh hery hiarovana ny vahoakany dia resahina toy ny hoe vatolampy izay azon'ny olona hanihana sy handosirana ireo fahavalo Izy. DH: "amin'ny vatolampy fiarovan'Israely" na "izay tahaka ny vatolampy fiarovana ho an'ny Israely"
Eto ny hoe "sandry" dia manambara ny herin'Andriamanitra. Midika fa haneho ny heriny amin'ny alalan'ny famotehany ireo fahavalon'ny vahoakany Yaveh. DH: "haneho amin'ny fandringanana ireo fahavalonareo fa mahery Izy"
Ny fahatezeran'i Yaveh dia resahina toy ny hoe tafio-drivotra na afo izany. DH: "amin'ny fahatezerana izay tahaka ny tafio-drivotra sy lelafo" na "amin'ny fahatezerana lehibe"
"amin'ny tafio-drivotra feno rivotra, orana, ary havandra"
vaingan-dranomandry mafy izay milatsaka avy any an-danitra izay tahaka ny orana.
DH: "Fa rehefa miteny Yaveh fa hanely ireo miaramilan'i Asyria Izy"
Miresaka ny tahotr'i Asyria toy ny hoe zavatra izay aelin'ny feon'i Yaveh Isaia. DH: "Hatahotra Asyria"
Eto io dia manambara ireo miaramilan'i Asyria.
Ny fanaovan'i Yaveh ny tafika mba handresy ireo Asyriana dia resahina toy ny hoe hamely ireo Asyriana amin'ny tsora-kazo Yaveh.
DH: "ho arahana izany ny vahoakan'i Joda"
Io dia zava-maneno izay misy lohany tahaka ny amponga izay afaka velesina ary misy vy manodidina ny sisiny izay maneno rehefa tendrena izany. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 5:11.
Ny fanaovan'i Yaveh ny tafika fahavalo mba handresy ireo Asyriana dia resahina toy ny hoe mpiady izay hiady miaraka amin'ny tafika fahavalo Yaveh.
DH: "Fa tany aloha be no efa nanomanan'i Yaveh toerana handorana"
Io andianteny io dia dikan'ny teny hoe "Tofeta". Tofeta dia toerana any amin'ny Lohasahan'i Hinoma, atsimon'i Jerosalema, izay nandoran'ny vahoaka ny zanak'izy ireo mba hatao sorona ho an'ny andriamani-tsy izy tany aloha.
Midika izany fa manondro ny mpanjakan'i Asyria io. DH: "Nanomana izany ho an'ny mpanjakan'i Asyria Yaveh"
"Efa vonona amin'ny kitay maro be mba hampirehetana afo ny antontany"
Io dia miresaka ny fofon'ain'i Yaveh toy ny hoe onin'afo izay handrehitra ny antontany izany.
1 Loza ho an'ireo izay midina any Egypta hitady vonjy sy miantehitra amin'ireo soavaly, ary mitoky amin'ireo kalesy (fa maro ireo) ary amin'ireo mpitaingin-tsoavaliny (fa tsy voaisa izy ireo). Nefa tsy mba miandrandra Ilay Masin'i Israely, na mitady an'i Yaveh izy ireo! 2 Kanefa hendry Izy, ary hitondra loza Izy ka tsy hanafoana ireo teniny. Hitsangana hanohitra ny ankohonan'ny ratsy sy hanohitra ny mpamonjin'ireo izay manota Izy. 3 Olona i Egypta fa tsy Andriamanitra, nofo ny soavalin'izy ireo fa tsy fanahy. Rehefa maninjitra ny tanany Yaveh, ny olona izay mamonjy dia ho tafintohina, ary ny olona izay vonjena dia ho lavo; samy hiara-ho faty izy roa. 4 Izao no lazain'i Yaveh amiko: "Tahaka ny liona, na ny zana-diona, mierona amin'ny rembiny, rehefa antsoina hanohitra izany ny andian'ny mpiandry ondry, dia tsy mba hangovitra amin'ny feon'izy ireo izany, na hikisaka amin'ny fihorakorak'izy ireo; dia tahaka izany no hidinan'i Yaveh Tompon'ny maro hiady eo an-Tendrombohitr'i Ziona, eo amin'izany havoana izany. 5 Tahaka ny vorona manomba, no hiarovan'i Yaveh Tompon'ny maro an'i Jerosalema; hiaro sy hamonjy Izy raha mandalo eo amin'izany ary mitahiry izany. 6 Miverena Aminy izay efa nihodinanareo fatratra, ry vahoakan'Israely. 7 Fa amin'izany andro izany ny tsirairay avy dia hanala ireo sampy volafotsiny sy ireo sampy volamenany izay nataon'ny tananareo ihany tamim-pahotana. 8 Ary ny Asyriana ho lavon'ny sabatra izay tsy mba an'olombelona no handringana azy. DIa handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana mafy. 9 Ary izy ireo dia very fahatokisana nohon'ny fahatahorana, ary ireo mpanapaka azy hivadi-po eo anatrehan'ny fanevan'i Yahweh - Izany dia fanambarana nataon'i Yahweh - Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandorana ao Jerosalema."
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Joda i Isaia.
Ny teny hoe "midina" eto dia nampiasaina satria ambany noho Jerosalema i Egypta.
"ireo vahoakan'i Joda izay midina"
Io dia miresaka momba ny olona izay miankina amin'ny soavalin'izy ireo mba hanampy azy ireo toy ny hoe miantehitra amin'ny soavaliny izy ireo. DH: "miankina amin'ny soavalin'izy ireo"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 1:4 io.
"na mitady vonjy any amin'i Yaveh izy ireo"
Eto ny teny hoe "mitondra" dia midika hoe "mahatonga". DH: "hahatonga loza hiseho Izy"
Ny andianteny hoe "hanafoana ireo teniny" dia miresaka ny olona tsy manatanteraka izay lazain'izy ireo fa hataony toy ny hoe zavatra izay tsy afaka esorina aminy ireo teny izay nolazainy. Eto dia milaza io fa tsy hanao izany Yaveh, midika fa hanatanteraka izay lazainy Izy. DH: "hanao izay lazainy fa hataony Izy"
"hanasazy"
Io dia manondro ny olona ratsy fanahy izay mipetraka ao. DH: "ny rehetra izay manao zavatra ratsy"
Eto Egypta dia manondro ireo miaramilan'i Egypta. DH: "Olona ireo miaramilan'i Egypta"
Midika izany fa soavaly ihany ny soavalin'izy ireo fa tsy zavatra ara-panahy. DH: "soavaly ihany ny soavalin'izy ireo; tsy mahery noho ny fanahy ireo!" (UDB)
Ny teny hoe "tanana" dia manondro ny herin'Andriamanitra sy ny asany matetika. DH: "Rehefa mampiasa ny heriny hanohitra azy ireo Yaveh"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny hoe tafintohina sy lavo dia sarinteny hilazana ny hoe tsy mahomby. DH: "izao zavatra roa izao no hitranga: hamotika an'i Egypta, izay manampy anareo Aho, ary handringana anareo, izay ampian'ny Egypta Aho"
DH: "ny olona izay nitady vonjy"
Miresaka amin'i Isaia i Yaveh.
Eto Yaveh dia miresaka ny fomba hiarovany ny vahoaka izay Azy ary tsy hatahotra amin'ny fampitahana ny tenany amin'ny liona izay miambina ny hazany.
Mety hazava kokoa izany raha afindranao alohan'ny andalana voalohany ny andalana farany: "Hidina mba hiady eo an-Tendrombohitra Ziona, eo amin'izany havoana izany, tahaka ny liona, dia zana-diona Yaveh"
"liom-bavy na liona mamono." Io dia teny roa izay samy manondro liona masiaka. DH: "liona"
mampitandrina ny hafa mba hijanona lavitra
Ny andianteny hoe "antsoina hanohitra izany" dia midika hoe alefa mba handroaka liona. DH: "rehefa irahina mba handroaka liona ny mpiandry ondry"
Mety hanao feo mafy mba hiezahana handroahana ny liona ny mpiandry ondry. DH: "amin'ny feo mafy izay ataon'izy ireo"
Io dia manondro ny fidinana avy any an-danitra. DH: "hidina avy any an-danitra"
Ireo andianteny roa ireo dia samy manondro ny Tendrombohitra Ziona. DH: "eo an-Tendrombohitra Ziona"
Mbola manohy miteny Yaveh.
Eto ny fomba izay hiarovan'i Yaveh an'i Jerosalema dia ampitahaina amin'ny fomba izay hiarovan'ny vorona ny zanany ao amin'ny akaniny.
Io dia miresaka ny fomba hiarovan'i Yaveh sy hamonjeny an'i Jerosalema, amin'ny fanoritsoritana Azy tahaka ny vorona izay manidina manerana ny tanàna. DH: "hiaro ary hamonjy ny tanàna amin'ireo fahavalony Izy"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:9 ihany io andianteny io.
Io dia manondro ny olona izay mipetraka ao. DH: "ny vahoakan'i Jerosalema"
"Miverena amin'ilay Iray izay nikomianareo"
Eto ny vahoaka dia tondroina tamin'ny "tanan'izy ireo" mba hanindriana fa nanao zavatra tamin'ny tanany izy ireo. DH: "izay nanotanareo tamin'ny fanaovana zavatra tamin'ny tananareo ihany"
1 Indro, ny mpanjaka dia hanjaka amin'ny fahamarinana, ary ny andrian-dahy dia hanapaka amin'ny rariny. 2 Ny tsirairay avy dia ho tahaka ny fialofana amin'ny rivotra ary ho fialofana amin'ny kotroka, tahaka ny ranovelona amin'ny toerana maina, tahaka ny aloky ny vatolampy lehibe any amin'ny tanin'ny faharerahana. 3 Ary ny mason'ireo izay mahita dia ho pahina, ary ny sofin'ireo izay mandre dia hihaino tsara. 4 Ireo kely fisainana dia hihevitra tsara amin'ny fahazavan-tsaina, ary ireo mibadabada dia hahay hiteny mahitsy tsara. 5 Ny adala dia tsy ho antsoina intsony hoe mendrika, na ny mpamitaka ho hajaina. 6 Fa ny adala dia hiteny fahadalana, ary ny fony dia hanao teti-dratsy sy hanao asa miatsaravelatsihy, ary hiteny diso hanohitra an'i Yaveh izy. Hampanoana ireo noana izy, ary hahatonga ireo mangetaheta tsy hanana zavatra hosotroina. 7 Ratsy ireo fomban'ny mpamitaka. Mihevitra teti-dratsy izy mba hanimbàna ny mahantra amin'ny lainga, na dia milaza izay marina aza ny mahantra. 8 Fa ny olona mendrika kosa dia manao tetika mendrika; ary noho ireo tetiny mendrika dia hahomby izy. 9 Mitsangàna, ry vehivavy tsy manano-sarotra, ary henoy ny feoko; ry vehivavy tsy mivaky loha, henoy Aho. 10 Fa afaka herintaona farafahakeliny dia ho rava ny fahatokianao, ry vehivavy tsy mivaky loha, fa tsy hisy ny fihotazam-boaloboka, tsy ho tonga ny fanangonana. 11 Mangovita, ry vehivavy tsy manano-sarotra; aoka hangovitra, ianao izay mahatoky; esory ireo akanjo manifinao ary aoka ianao hiboridana; ary asio lamba fisaonana ny valahinao. 12 Hidradradradra amin'ireo saha mahafinaritra ianao, ho an'ireo voaloboka mamokatra. 13 Ny tanin'ny vahoakako dia ho rakotr'ireo tsilo sy ireo hery, eny fa na dia ny ao amin'ireo trano mahafaly rehetra ao amin'ny tanànan'ny firavoravoana aza. 14 Fa ny lapa dia ho afoy, ny tanàna feno vahoaka dia ho foana; ny havoana sy ny tilikambo dia ho lava-bato mandrakizay, fifaliana ho an'ireo boriky dia, ahi-maitso ho an'ireo ondry aman'osy; 15 mandra-pilatsahan'ny Fanahy avy any amin'ny avo amintsika, ka ny tany efitra dia ho tonga saha mamokatra, ary ny saha mamokatra dia heverina toy ny hoe ala. 16 Ary hitoetra ao amin'ny tany efitra ny rariny; ary ny fahamarinana hitoetra ao amin'ny saha mamokatra. 17 Ny asan'ny fahamarinana dia ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana, dia fahanginana sy fahatokiana mandrakizay. 18 Ny vahoakako dia honina ao amin'ny fitoerana feno fiadanana, ao amin'ireo trano azo antoka, ary ao amin'ny toerana mangingina fakàna aina. 19 Kanefa raha misy ireo havandra dia ho simba ny ala, ka dia ringana tanteraka ny tanàna, 20 ianao izay mamafy eny akaikin'ireo onja dia ho voatahy, ianao izay mamoaka ireo ombinao sy ireo borikinao mba hiraoka.
Io teny io eto dia nampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona amin'izay manaraka eo. DH: "Henoy"
Io dia mampitaha ny mpanjaka sy ireo andriana izay miaro ny vahoaka amin'ny fialofana. DH: "hiaro ny vahoaka tahaka ny ataon'ny fialofana amin'ny tafio-drivotra ireo mpanapaka"
Io dia fampitahana hafa izay midika fa hamatsy ireo izay ilain'ny vahoaka ireo mpanapaka. DH: "hamatsy ny vahoaka tahaka ny rian-drano any amin'ny toerana maina izy ireo"
Io dia fampitahana hafa izay midika fa hanome fankaherezana sy fitsaharana ho an'ny vahoaka ireo mpanapaka. DH: "hanome fitsaharana ho an'ny vahoaka tahaka ny vatolampy lehibe izay manaloka ny olona reraka izy ireo"
Ireo andianteny ireo dia samy manindry fa hamela ny olona hahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra ireo mpitarika.
"hahita tsara"
Mbola manohy manoritsoritra ny vahoaka aorian'ny hamerenan'Andriamanitra ireo mpanapaka marina any Joda indray Isaia. (Jereo: 32:1)
Io dia manondro ny olona izay manao zavatra an-kamehana sy ny olona izay mibadabada. DH: "Ny olona maimaika...ny olona mibadabada"
DH: "Tsy hisy olona hanome voninahitra ny adala"
"Ny adala" dia manondro ny olona adala. Ny "adala" sy ny "ratsy fanahy" ihany koa dia azo ambara amin'ny tambinteny. DH: "Fa ny olona adala milaza zavatra adala ary manao tetika ratsy ny fony"
Eto ny olona adala dia tondroina amin'ny fony mba hanindriana ny eritreriny. DH: "mikasa zavatra ratsy ao am-pony izy"
"Ny mpamitaka" dia manondro olona izay mamitaka. DH: "na hisy olona maneho fanajana ny olona izay mamitaka"
Ny teny hoe "izy" dia manondro ny olona adala.
"Ny noana" dia manondro ny olona noana. Noana izy ireo satria foana ny vavoniny. DH: "foana ny vavonin'ny olona noana"
"Ny mangetaheta" dia manondro ny olona izay mangetaheta. DH: "mahatonga ny olona mangetaheta tsy hisy ho sotroina izy"
Io dia manondro ny olona izay mamitaka ny hafa. DH: "Ireo olona mpamitaka"
"Ny mahantra" dia manondro ny olona mahantra. Ny teny hoe "manimba" ihany koa dia tsy midika hoe mamono azy ireo fa hoe manisy ratsy azy ireo amin'ny filazana lainga momba azy ireo. DH: "mba hanisy ratsy ny olona mahantra amin'ny filazana lainga"
Midika izany fa hahomby izy. DH: "hahomby izy"
"Mijoroa" na "Tandremo"
"milamina" na "tsy miraharaha"
Manondro ny tenany amin'ny feony Isaia mba hanindriana izay lazainy. DH: "izaho miteny"
Miresaka azy ireo tsy matoky intsony ihany koa Isaia toy ny hoe zavatra azo tsapaina izay simba ny fahatokian'izy ireo. DH: "tsy hahatoky tena intsony ianareo"
Midika izany fa tsy hisy voaloboka tsara hotazana akory. DH: "tsy hisy voaloboka mba hotazanao"
"tsy hisy ny fotoana fanangonam-bokatra"
Mbola manohy miteny Isaia.
"Mihovitrovira amin-tahotra"
"milamina" na "tsy miraharaha"
Eto ny hoe "miboridana" dia tsy tena midika hoe mitanjaka, fa hoe manao fitafiana kely tahaka ny atin'akanjo ohatra. DH: "esory ireo akanjo manifinao ary aza ampitafiana ny tenanao" na "esory ireo akanjonao raitra" (UDB)
Io dia fihetsika milaza fahalelovana na fisaonana. DH: "sikino lamba fisaonana ny valahinao raha malahelo ianao"
Midika izany fa hihiakiaka mafy toy ny hoe malahelo izay mahazo ny saha mamokatr'izy ireo sy ireo divay izy ireo. DH: "Hidradradradra noho izay mitranga amin'ny saha mahafinaritra sy ireo voaloboka mamokatra ianao"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 5:5 izany.
Eto ireo trano dia soritsoritana toy ny hoe faly noho ny olona faly izay tao amin'ireo. DH: "ireo trano izay nahafaly anareo taloha"
Ny teny hoe "firavoravoana" dia midika hoe mankalaza sy manao lanonana.
Mbola manohy miteny Isaia.
DH: "Fa hanadino ny lapa ny vahoaka ary handao ny tanàna ireo vahoaka"
Io dia manondro ny trano mafy eny an-tampon-kavoana. DH: "ny fiarovana mafy eny an-tampon-kavoana"
Io dia miresaka ny fiarovana mafy sy ny tilikambo fiambenana izay nilaozana toy ny hoe nanjary lava-bato izany. DH: "hanjary hilaozana sy ho foana ny havoana sy ny tilikambo fiambenana"
Io dia midika fa hankafy ny ahitra izay maniry eo amin'ny fiarovana mafy sy tilikambo fiambenana ireo biby ireo. DH: "hihinana ny ahitra ao ireo borikidia sy ireo andian'ondry"
Midika fotoana lava be izany. DH: "fotoana tena lava be"
DH: "mandra-pandatsak'i Yaveh ny Fanahy"
Io dia miresaka ny fanomezan'i Yaveh ny Fanahiny amin'ny vahoaka toy ny hoe rano izay hararaka eo amin'izy ireo ny Fanahiny. DH: "omena antsika ny Fanahy"
Eto ny lanitra dia tondroina amin'ny hoe "any amin'ny avo". DH: "avy any an-danitra"
Io dia mampitaha ny haben'ny fitobahan'ny saha mamokatra raha ampitahaina amin'ny ala mikitroka, sy matevina izany. DH: "hilaza ny olona fa naniry be tahaka ny ala ireo saha mamokatra" na "ho feno habetsahana ireo saha mamokatra"
Mbola manohy miteny Isaia.
Manoritsoritra ny "rariny" sy "fahamarinana" toy ny olona izay mipetraka eo amin'ireo toerana ireo Isaia. Midika izany fa ny olona izay mipetraka ao amin'ireo toerana ireo dia hanao izay rariny sy marina. DH: "hanao ny rariny any an'efitra ny olona ary hanao ny marina any amin'ireo saha mamokatra ny olona"
Ireo andianteny roa ireo dia mifanindran-dalana ary samy fahamarinana ny vokany. Afaka akambana ireo. DH: "Ny vokatry ny asan'ny fahamarinana dia hoe hisy fiadanana, sy fahanginana, ary fahatokiana mandrakizay"
"toerana"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 28:1 izany.
DH: "mandrava ny ala ary mamotika tanteraka ny tanàna izany"
Io dia manondro ny fitahian'i Yaveh ny vahoakany rehetra ary miresaka ireo zavatra izay ara-dalàna mba hataon'ny vahoakany. DH: "Hitahy anao Yaveh, raha mamboly ireo vokatrao any an-tsaha eo amoron'ny riana ianao ary raha mandefa ireo ombinao sy ireo borikinao mba hiraoka any amin'ireo tany fihinanam-bilona"
1 Loza ho anareo, ry mpandrava izay tsy mbola noravàna! Loza ho an'ny mpamadika izay tsy mbola novadian'izy ireo! Raha mihato amin'ny famotehana ianareo, dia ho potehina! Raha mihato amin'ny famadihana ianareo, dia hivadihan'izy ireo. 2 Ry Yaveh, mamindrà fo aminay; miandry Anao izahay; aoka mba ho sandrinay isa-maraina, ary famonjenay amin'ny andro fahoriana. 3 Anatin'ny feo mafy no handosiran'ny olona; rehefa mitsangana Ianao, dia miparitaka ireo firenena. 4 Nalevina tahaka ny valala niangona ny babonao; tahaka ny fifanaretsak'ireo andiam-balala, no ifanaretsahan'ny olona amin'izany. 5 Nasandratra i Yaveh. Mitoetra any amin'ny toerana avo Izy. Ho fenoiny amin'ny fitsaràna sy fahamarinana ny Ziona. 6 Ho filaminana amin'ny fotoanareo Izy, famonjena be, fahendrena, ary fahalalana; ny fahatahorana an'i Yaveh no hareny. 7 Indro, ireo irak'izy ireo mitaraina eo an-dalana; mitomany mafy ireo iraka manantena fiadanana. 8 Foana ireo lalam-be; tsy misy mpandeha intsony. Rava ny fanekena, notsinotsiniavina ireo vavolombelona, ary tsy voahaja ny maha- olombelona. [1]9 Misaona ny tany ary milofika; menatra Lybanona ary karakaina; [2] Saràna dia tahaka ny lemaka maina; ary manintsana ny raviny i Basana sy Karmela. 10 "Ankehitriny hitsangana Aho," hoy Yaveh; "ankehitriny ho hasandratra Aho; ankehitriny ho eny amin'ny avo Aho. 11 Manorotoro ny voam-bary ianareo, ary miteraka mololo; afo mandevona anareo ny fofon'ainareo. 12 Ho voadoro ireo olona, tahaka ny tsilo notapahina sy nodorana. 13 Ianareo izay lavitra, henoy izay efa nataoko; ary, ianareo izay akaiky, ekeo ny heriko." 14 Matahotra ireo mpanota any Ziona; fangovitana no efa nahazo ny mpiatsaravelatsihy. Iza amintsika no afaka hijanona amin'ny afo mandevona? Iza amintsika no afaka hijanona eo amin'ny firehetana mandrakizay? 15 Izy ilay mandeha amin'ny fahamarinana sy miresaka am-pahatsorana; Izy ilay nanafoana ny tombon'ny fampahoriana, izay mandà ny handray kolilkoly, izay tsy manao teti-dratsy heloka bevava fandatsahan-drà, ary tsy mitady ny ratsy__ 16 ho ataony amin'ny avo indrindra ny fonenany; ny toerana fiambenany dia ho fiarovana mafy amin'ny harambato; ny sakafony sy ny ranony dia ho feno famatsiana. 17 Ny masonareo dia hahita ny mpanjaka amin'ny hatsarany; hitsinjo tany malalaka izy ireo. 18 Ho tsaron'ny fonareo ny horohoro; aiza ny mpanora-dalàna, aiza izy izay nandanja ny vola? Aiza izy izay nanisa ireo tilikambo? 19 Tsy hahita ny olona mpanohitra anareo intsony ianareo, olona hafa fiteny izay tsy takatrareo. 20 Jereo Ziona, ilay tanànan'ny fankalazantsika; hahita an'i jerosalema tahaka ny mponina milamina ny masonareo, lay izay tsy mba ho esorina, izay tsy ho voahongotra mihitsy ny tsato-kazony na ho tapaka ny kofehiny. 21 Fa kosa, homba amin-kery amintsika i Yaveh, any amin'ny toerana amoron'ny ony sy lakan-drano. Tsy hisy sambo voizina handeha amin'izany, ary tsy hisy sambo lehibe hamakivaky izany. 22 Fa Yaveh no mpitsara antsika, Yaveh no mpanome lalàna antsika, Yaveh no mpanjakantsika; ary hamonjy antsika Izy. 23 Miraviravy ireo fanodikodinanareo; tsy afaka hiazona ny hazo lava amin'ny toerany ireo; tsy afaka hanaparitaka ny lay ireo; rehefa nozaraina ilay voababo lehibe, na dia ny mandringa aza hanintona ilay babo. 24 Tsy hilaza ny mponina hoe: "Marary aho;" ny olona izay mitoetra any dia ho voavela amin'ny helok'izy ireo.
Miresaka amin'ny haikanto ho an'i Yaveh amin'ireo Asyriana Isaia.
DH: "izay tsy mbola noravan'ny hafa"
DH: "izay tsy mbola nopotehin'ny hafa" (UDB)
"hivadihan'ny hafa"
Eto ny sandrin'i Yaveh dia manondro ny heriny. Io dia miresaka an'i Yaveh mampahery azy ireo toy ny hoe mampiasa ny heriny mba hiasa ho azy ireo Yaveh. DH: "omeo hery izahay"
Io dia manondro ny andro tontolo, fa tsy ny maraina ihany. DH: "isan'andro" (UDB)
Ny teny hoe "meteza" izay tsy eo dia afaka ampiana. Ny teny hoe "famonjena" ihany koa dia afaka ambara amin'ny matoanteny hoe "mamonjy". DH: "meteza ho mpamonjinay" na "vonjeo izahay"
Io dia manondro ny fotoana izay niainan'izy ireo tao anaty fahoriana. DH: "rehefa tao anaty fahoriana izahay" (UDB)
Ireo mety ho hevitry "ny feo mafy" dia 1) manondro ny feon'i Yaveh izany. DH: "Mandositra amin'ny feonao mafy ireo vahoaka" na 2) manondro ny feo mafin'ny tafik'i Yaveh izany. DH: "Mandositra amin'ny feo mafin'ny tafikao ny vahoaka"
Midika hoe manomboka manao zavatra izany. DH: "manomboka miasa"
Io dia mampitaha ny hafaingana sy ny zoton'ny vahoakan'i Yaveh rehefa manangona ireo babo avy amin'ireo fahavalony amin'ny fahazotoan'ny valala rehefa manangona sakafo. DH: "Manangona babo avy amin'ireo fahavalonao tahaka ny hasiahan'ny valala izay mandrapaka zava-maitso ny vahoakanao"
Miresaka amin'ny vahoakan'i Joda i Isaia.
DH: "Lehibe noho ny olona hafa Yaveh" (UDB)
Io dia miresaka an'i Yaveh manapaka an'i Ziona amin'ny rariny sy fahamarinany toy ny hoe mameno an'i Ziona amin'ny rariny sy fahamarinana Izy. DH: "hanapaka an'i Ziona amin'ny rariny sy fahamarinana Izy"
Io dia miresaka an'i Yaveh mahatonga ny vahoaka ho voaaro toy ny hoe Izy mihitsy no filaminana. Ny teny hoe "fotoanareo" dia manondro ny fiainan'izy ireo. DH: "Hahatonga ny fiainanareo rehetra hilamina Izy"
Ny teny tsy ao dia afaka ampiana. Ny hoe "famonjena" ihany koa dia afaka ambara amin'ny matoanteny hoe "mamonjy". DH: "ary hanome famonjena, fahendrena, ary fahalalana betsaka ho anareo Izy" na "hamonjy anareo sy hanome fahendrena ary fahalalana betsaka ho anareo Izy"
Io dia miresaka ny fahatahorana an'i Yaveh toy ny hoe harena izay omen'i Yaveh ny vahoakany izany. DH: "ny fahatahorana an'i Yaveh dia ho tahaka ny harena sarobidy izay homeny anareo" (UDB) na "ny matahotra an'i Yaveh dia ho sarobidy aminareo toy ny hoe harena"
Io teny io eto dia nampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona amin'izay lazaina manaraka eo. Nampiasaina eto ihany koa izany mba hanamarika fizarana vaovao ao amin'ny boky. DH: "Henoy"
"mpitondra hafatra"
Midika izany fa nitomany izy ireo satria tsy nahomby izy ireo raha nampihavana. DH: "miandrandra fihavanana ireo iraka nefa tsy mahomby izy ireo ka dia nitomany mafy"
Ireo andianteny ireo dia samy manindry fa tsy misy mpandeha intsony eny amin'ireo lalana. DH: "Tsy misy olona mandeha intsony eny amin'ireo lalana"
Ity andalana ity dia mety manondro ireo toetoetry ny kolikoly any Israely amin'ny ankapobeny, na mety manondro ny tsy fahaizan'ny firenena manao fifanarahana fihavanana azo antoka amin'ny Asyria izany. DH: "Mandrava ireo fanekena izay nataon'izy ireo ny vahoaka, ary tsy mifanaja ny olona"
Io dia miresaka ny tany lasa maina tahaka ny olona misaona. DH: "Lasa maina ny tany ary malazo ny zava-maniry"
Io dia miresaka ireo hazon'i Libanona malazo sy levona toy ny hoe olona menatra i Libanona. DH: "Malazo sy levona ireo hazon'i Libanona"
Nisy hazo sy voninkazo maro naniry teo amin'ireo toerana ireo tany aloha.
Io dia mampitaha ny fahamainan'i Saràna amin'ny lemaka maina. DH: "Maina tahaka ny lemaka maina i Saràna"
Eto Basana sy Karmela dia tondroina amin'ny hazon'izy ireo. DH: "tsy misy ravina intsony ny hazo ao Basana sy Karmela"
"mijoroa". Eto io teny io dia midika hoe manomboka manao zavatra. Eto dia manandra-tena Yaveh.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa hasandratra Yaveh. DH: "ankehitriny dia hanandratra ny tenako Aho ary haneho fa mendrika ny homen'ny olon-drehetra voninahitra Aho"
Io dia miresaka ireo Asyriana manao tetika toy ny hoe manorotoro sy miteraka ny tetik'izy ireo tahaka ny reny miteraka ny zanany izy ireo. Io dia miresaka ny tetik'izy ireo izay tsy misy ilana azy amin'ny fampitahana azy ireo amin'ny akofa. DH: "Manao tetika izay tsy misy ilana azy toy ny akofa sy mololo ianareo"
Eto ny tetik'ireo Asyriana dia tondroina amin'ny hoe "fofonain'izy ireo". Io dia miresaka ny tetik'izy ireo izay mahatonga azy ireo ho faty toy ny hoe handoro ny vatan'izy ireo ara-bakiteny ny tetik'izy ireo. DH: "hahatonga anareo ho faty ny tetikareo"
Io dia mampitaha hoe fomba handorana ireo fatin'olona amin'ny fomba handoroana ireo kirihitra. DH: "Handoro ny fatin'olona ho sokay tahaka ny hanapahan'ny mpamboly kirihitra sy handoroany izany ny afo"
lavenona avy amin'ireo taolana nodorana
Mbola manohy miresaka Yaveh.
Mampiasa ny teny hoe "lavitra" ary "akaiky" mba hidika hoe ny olona rehetra Yaveh. DH: "Ny olona rehetra na aiza na aiza izay mandre izay nataoko sy nahalala fa mahery Aho"
Io dia miresaka ny olona mpiatsaravelatsihy mangovitra toy ny hoe fahavalo izay misambotra azy ireo ny fangovitana. DH: "safotry ny fangovitana ireo olona mpiatsaravelatsihy"
Io dia midika fa ny mpanota any Ziona no manontany ireo fanontaniana ireo. DH: "Hoy izy ireo: "Iza amintsika...firehetana"
Ireo fanontaniana fampisainana ireo dia misy heviny iray ihany ary manindry fa tsy misy olona afaka miaina ao amin'ny afo. Eto ny afo dia manambara ny fitsaran'i Yaveh. DH: "Tsy misy olona afaka miaina ao amin'ny afo mandevona! Tsy misy olona afaka miaina ao amin'ny afo maharitra mandrakizay!" na "Tsy misy olona afaka miaina nefa miharitra ny fitsaran'i Yaveh, tahaka ny afo maharitra mandrakizay izany!"
mipetraka ao amin'ny toerana izay tsy tranon'olona
Eto ny fandehanana dia manondro ny fiainana. DH: "izay miaina"
Ny andianteny hoe "tombon'ny fampahoriana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "izay mankahala ireo izay tonga mpanan-karena amin'ny fampahoriana ny olona hafa"
Ny hoe "mijery" eto dia midika hoe manaiky zavatra iray. DH: "ary izay tsy manaiky ny fanaovana ratsy"
Io dia manondro ny havoana avo na tendrombohitra. DH: "ny havoana avo" na "tendrombohitra"
Io dia miresaka ny toerana feno vato izay mora iarovana toy ny hoe tena fiarovana mafy ireo. DH: "ireo antontam-bato lehibe"
"hisy foana"
Io dia manondro ny mpihaino amin'ny "mason'izy ireo". DH: "Hahita ianareo...hahatsinjo ianareo"
Ny akanjo mpanjakan'ny mpanjaka dia tondroina amin'ny hoe "hatsaran-tarehiny". DH: "ny mpanjaka ao anatin'ny akanjo lavany tsara tarehy"
Io dia manondro ny mpihaino amin'ny "fon'izy ireo". Ny "horohoro" dia manondro ny adin'izy ireo tamin'ireo Asyriana. Afaka ambara mazava izany. DH: "Hahatsiaro ny horohoro izay nataon'ireo Asyriana taminareo tamin'izy ireo nanafika anareo ianareo."
Ireo fanontaniana fampisainana ireo dia napetraka mba hanindriana fa lasa ireo manamboninahitr'ireo Asyriana. Afaka soratana amin'ny fehezanteny ireo fanontaniana ireo. DH: "Nanjavona ireo manamboninahitr'i Asyria izay nanisa ny vola hetra izay noterena mba haloa amin'izy ireo! Lasa ireo lehilahy izay nanisa ireo tilikambontsika!" (UDB)
Ny vola dia vy misy lanjany; ny lanjan'izany dia voafaritra amin'ny havesany.
"olona izay miteny fiteny vahiny"
"azo"
Mbola miresaka amin'ny vahoakan'i Joda i Isaia.
Io dia midika fa nanao ny fankalazan'izy ireo sy ny firavoravoana tao amin'izany tanàna izany izy ireo. DH: "ilay tanàna izay nanaovana ireo firavoravoantsika" na "ilay tanàna izay nankalazantsika ireo firavoravoantsika"
Ny olona dia tondroina amin'ny "mason'izy ireo" mba hanindriana izay hitan'izy ireo. DH: "hahita ianareo"
Io dia miresaka an'i Ziona izay voaaro sy voapetraka tsara toy ny hoe lay voaaro izany. DH: "ho voaaro, tahaka ny lay izay tsy mbola nafindran'ny olona mihitsy izany"
Ity dia tapan'ny sarinteny izay mampitaha an'i Ziona amin'ny lay voaaro. DH: "izay tsy mbola nisy olona nanongotra mihitsy ireo tsato-kazony ary izay tsy mbola nisy olona nanapaka mihitsy ny tadiny"
Eto ny hoe "antsika" dia manondro an'i Isaia ary tafiditra ao ihany ny vahoakan'i Joda. Io dia miresaka ny filaminan'ny fiainana miaraka amin'i Yaveh toy ny hoe toerana izay misy renirano manodidina azy ka tsy afaka manafika izany ireo fahavalo. DH: "Yaveh izay be voninahitra dia homba antsika, ary ho voaaro toy ny hoe ao amin'ny toerana voahodidina renirano isika"
"handeha amin'ny renirano"
Io dia manondro an'i Isaia ary tafiditra ao ihany ny vahoakan'i Joda.
Ireo mety ho heviny dia 1) Tahaka ny sambo izay tsy afaka mihetsika eo amin'ny rano ny tafika Asyriana: ireo tady izay manohana ny hazo lava sy ny lain-tsambo dia nivaraka ary tsy mahazona ny hazo lava intsony, ka dia tsy misy ilana azy ny lain-tsambo (33:1) na 2) tsy miady intsony ny vahoakan'i Joda: "Namaha ireo tady izay nanohana ny fanevanareo ianareo; tsy mievaheva intsony ny faneva" (33:17-33:22, jereo ny UDB).
bao lava izay mihazona ny lain-tsambo
lamba lava izay feno rivotra ary mamindra ny sambo eo amin'ny rano
DH: "rehefa mizara ny harena izy ireo"
Io dia manondro ny olona izay tsy afaka mandeha. DH: "ireo izay malemy"
DH: "Hamela ny fahotan'ny olona izay mipetraka ao Yaveh"
1 Manatòna akaiky, ianareo ry firenena; ary mihainoa, mifantoha, ianareo ry vahoaka! Ny tany sy izay mameno izany dia tsy maintsy mihaino, izao tontolo izao, sy ny zavatra rehetra avy amin'izany. 2 Fa tezitra amin'ny firenena rehetra Yaveh, ary vinitra amin'ny tafik'izy ireo rehetra; nandrava azy ireo tanteraka Izy, nanolotra azy ireo teo an-tanan'ny mpamono Izy. 3 Ireo vata-mangatsiakan'ireo maty dia hatsipy any ivelany. Ny fofona maimbon'ireo faty dia ho eny rehetra eny; ary ireo tendrombohitra ho vonton'ny ràn'izy ireo. 4 Ho levona avokoa ny kintan'ny lanitra, ary ny lanitra dia hiorona tahaka ny horonana; ary ny kintany rehetra dia ho levona, toy ny ravina izay malazo mihintsana amin'ny tahom-boaloboka, sy toy ny aviavy lo mihintsana amin'ny hazon'aviavy. 5 Fa rehefa mamon'ny ràny any an-danitra ny sabatro; indro, ankehitriny hidina any Edoma izany, eo amin'ny vahoaka izay hatokako amin'ny fandravana. 6 Ny sabatr'i Yaveh dia mitete rà sy rakotra tavy, mitete ràn'ireo zanak'ondry sy ireo osilahy, rakotry ny tavin'ny voan'ireo ondrilahy. Fa manana fanatitra ao Bozra sy famonoana lehibe ao amin'ny tanin'i Edoma i Yaveh. 7 Hovonoina miaraka amin'izy ireo ny ombidia, sy ireo vantotr'omby miaraka amin'ireo efa antitra. Ny tanin'izy ireo dia ho mamon-drà, ary ny vovokany dia matavin'ny hatavezana. 8 Fa ho andro famalian'i Yaveh izany sy ho taona hamaliany ny amin'i Ziona. 9 Ny rian-dranon'i Edoma dia ho tonga dinty, ny vovokany ho solifara, ary ny taniny ho tonga dinty mirehitra. 10 Hirehitra andro aman'alina izany; ny setrok'izany dia haharitra mandrakizay; amin'ny taranaka mifandimby dia ho tany ngazana izany; tsy hisy olona handalo eo amin'izany mandrakizay doria. 11 Fa ireo vorondia sy ireo bibidia no hitoetra any; ny vorondolo sy ny goaika no hanao ny tranony ao amin'izany. Ary hohenjaniny eo amin'izany ny tady fandrefesan'ny fahapotehina sy ny fantson-drano fandravana. 12 Ireo olo-mendri-kajany dia tsy hanana zavatra ho tavela ho antsoina hoe fanjakana, ary ny andriandahy rehetra dia ho tsinontsinona. 13 Tsilo no haniry eo amin'ireo lapany, voaroy sy amiana no eo amin'ny trano fiarovany. Ho fitoeran'ireo ambodia izany, sy toeran'ireo ostritsa. 14 Ny bibidia sy ireo kary no hihaona any, ary ireo osidia no hifampiantso any. Ny bibin'ny alina no hanorim-ponenana any ka hahita toeram-pialantsasatra ho azy ireo. 15 Ireo vorondolo hanao akany, hanatody sy hikotrika ireo atodiny, hikotrika ary hiaro ireo zanany. Eny, any no hiangonan'ireo papango, ny tsirairay miaraka amin'ny namany avy. 16 Tadiavo ao amin'ny horonan-taratasin'i Yaveh; fa tsy misy iray amin'ireo tsy ho ao. Tsy misy tsy hanana namana; fa ny vavany no mandidy izany, ary ny fanahiny no manangona azy ireo. 17 Nanao filokana ho an'ny toerany izy ireo Izy, ary ny tanany no nandrefy izany tamin'ny tady ho azy ireo. Ho tompon'izany mandrakizay izy ireo; hatramin'ny taranaka faramandimby no hitoeran'izy ireo any.
Miteny amin'ny haikanto Yaveh.
Eto ny tany dia resahina toy ny hoe zavatra izay takiana mba hihaino an'i Yaveh mba hanindriana fa eo ambany fahefan'i Yaveh izany. Ireo andianteny mifanindran-dalana ireo dia sarinteny hilazana ny olona rehetra izay monina eto amin'izao tontolo izao. DH: "Amin'ny toerana rehetra na aiza na aiza eto an-tany, dia tsy maintsy mihaino izay lazaiko ny olona rehetra"
Io dia andianteny fifanindrinan-dalana faharoa. Ny teny tsy eo dia azo ampiana amin'ireo andianteny io. DH: "izao tontolo izao, ary ny zava-drehetra izay avy ao amin'izany dia tsy maintsy mihaino"
Matetika ireo mpaminany dia miresaka ireo zavatra izay hitranga amin'ny hoavy toy ny hoe efa nitranga izany. Io dia manindry fa tena hitranga tokoa izany zavatra izany. DH: "Handringana tanteraka azy ireo Izy, hanolotra azy ireo eo amin'ny mpamono Izy"
DH: "Tsy misy olona handoro ny fatin'izy ireo"
Io dia manondro ny olona maty. DH: "ireo izay maty"
"ho rakotry ny ràn'izy ireo ny tendrombohitra"
Io dia mampitaha izay hanaovan'i Yaveh ny lanitra amin'ny fanoronany ny olona hanjary horonana. DH: "Hanorona ny lanitra tahaka ny hanoronana ny olona ho horonana Yaveh"
Io dia manindry fa na dia ireo zavatra eny an-danitra izay noheverin'ny olona fa ho eo mandrakariva aza dia hianjera mora foana tahaka ny ravina. DH: "ary hianjera tahaka ravina mihintsana amin'ny voaloboka na aviavy avy amin'ny hazo ireo kintana rehetra eny an-danitra "
Manoritsoritra ny tenany toy ny hoe mpiady mitondra sabatra Yaveh. Ny andianteny hoe "mamon'ny rà" dia miresaka ny sabatr'i Yaveh toy ny hoe olona izay mihinana ary afa-po izany. Mampiasa io sarinteny io Yaveh mba hanindriana fa hisy faharavana be tokoa any an-danitra ary mba hanambarana ny fahavitan'izany. DH: "rehefa vita ny fandravana ireo zavatra tany an-danitra"
Io teny io eto dia nampiasaina mba hisarihana ny sain'ny mpamaky ary mba hakan'izy ireo sary an-tsaina ireo zavatra izay efa nolazaina. DH: "henoy" na "ary dia"
Ny teny hoe "izany" dia manondro ny sabatr'i Yaveh. Ity dia manohy ny sarinteny momba ny fandravan'i Yaveh ireo zavatra amin'ny sabatra. DH: "Ho avy hanasazy ny vahoakan'i Edoma, dia ny vahoaka izay efa natokako ho ravaina Aho"
Edoma dia manondro ny vahoaka izay mipetraka ao. DH: "amin'ny vahoakan'i Edoma"
Io dia miresaka ny famonoan'i Yaveh ny vahoaka toy ny hoe mpisorona manao sorona ireo biby Izy. Manao izany amin'ny fanoritsoritana ny sabatry ny mpisorona Izy. DH: "Manao sorona azy ireo toy ny mpisorona manao sorona ireo biby, izay mitete rà sy tavin-janak'ondry, osy, ary osilahy Yaveh"
Ny teny hoe "sorona" sy "famonoana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "Fa hanao sorona olona maro be any Bozra ary hamono olona maro be ao amin'ny tanin'i Edoma Yaveh"
Io dia tanàna tena manan-danja any Edoma.
DH: "Izaho, Yaveh, no hamono ny ombidia"
Io dia manoritsoritra ny fatran'ny rà izay hitete amin'ny tany amin'ny fampitahana ny tany amin'ny olona mamo. DH: "Ny tanin'izy ireo dia ho vonton-drà"
Eto ny hoe "vovoka" dia midika hoe ny loto amin'ny tany. Io dia manoritsoritra ny fatran'ny tavy izay hitete amin'ny loto amin'ny fampitahana izany amin'ny olona izay lasa matavy amin'ny fihinanana biby matavy loatra. DH: "ho feno ny tavin'ny biby ny loto"
Eto ny hoe "andro" dia fomba fiteny hilazana fotoana voatendry; fa tsy hoe "andro" ara-bakiteny akory. DH: "ho fotoana izay hamalian'i Yaveh faty izany"
Midika izany fa hamaly faty azy ireo tamin'ny niadian'izy ireo tamin'ny vahoakan'i Jerosalema Izy. DH: "hanome sazy mendrika izay nataon'izy ireo tamin'ny vahoakan'i Ziona Izy"
Ny rano sy tany lasa tsy misy ilana azy satria tsy misy ho sotroina na mampaniry sakafo satria nodorana sy norakofana dinty sy solifara izany dia resahina toy ny hoe lasa dinty sy solifara tokoa ny rian'ireo. DH: "Ireo riana any Edoma dia ho feno dinty ary ny tany dia ho rakotra solifara mirehitra sy dinty mirehitra" (UDB)
"vovok'i Edoma...tanin'i Edoma"
zavatra matevina, mainty izay mirehitra mandritra ny fotoana maharitra
Io dia midika hoe amin'ny fotoana rehetra. DH: "Hirehitra mandritra ny alina sy ny andro izany" na "Hirehitra hatrany hatrany, ny alina tontolo sy ny andro tontolo izany"
Ny andianteny hoe "taranaka mifandimby" dia manondro ny taranaky ny vahoaka rehetra izay hiaina amin'ny hoavy. Jereo ny fomba nandikanao izany andianteny izany tao amin'ny 13:19. DH: "mandrakizay"
"hitoetra ao amin'ny tanin'i Edoma"
Adikao tahaka ny tao amin'ny 13:21 io.
Io dia vorombe mainty. Sarotra ny mamantatra ny tena karazan'ireo vorona izay nolazaina tato amin'ity andininy ity. Na izany aza, dia vorona izay tia niaina tany amin'ireo toerana izay tsy misy olona avokoa ireo, koa dia manambara ireo toerana foana izany ireo.
"ao". Io dia manondro an'i Edoma.
Io dia miresaka an'i Yaveh toy ny hoe mpanangana tena mitandrina raha mahatonga faharavana ao Edoma Izy. DH: "Handrefy izany tany izany tsara Yaveh; handrefy izany mba hanapahana hoe aiza no hopotehina sy ho ravana Izy"
Ireo dia fitaovan'ny mpanangana trano. Jereo ny nandikanao ireo teny ireo ihany tao amin'ny 28:17.
"Ireo olo-mendri-kajan'i Edoma...ny andriandahin'i Edoma"
Io dia manitatra ny fahaverezan'ireo andriandahy ny maha-mpanjaka azy ireo amin'ny filazana fa hanjary ho tsinontsinona izy ireo. DH: "ny andriandahiny rehetra dia tsy hanapaka intsony"
Ireo rehetra ireo dia ahi-dratsy misy tsilo avokoa. Ny tsilon'ny voaroy dia misy poizina izay mahatonga hidihidy.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 13:21 ireo anaram-biby ireo.
biby izay mifoha ary miasa amin'ny alina
vorona izay mamono biby kely mba hataony sakafo
Ny andianteny hoe "ny horonan-taratasin'i Yaveh" dia midika fa misy ny hafatra izay nolazain'i Yaveh izany. DH: "Vakio tsara izay nosoratana tao amin'izany horonan-taratasy izay misy ny hafatr'i Yaveh izany"
"tsy misy iray amin'ireo biby ireo"
DH: "Hanana namana avokoa ny biby tsirairay avy"
Tondroina amin'ny "vavany" Yaveh mba hanindriana izay efa nolazainy. DH: "fa Yaveh no efa nandidy izany"
Io dia miresaka an'i Yaveh manapa-kevitra ny amin'izay hoe aiza no hametrahana ireo biby toy ny hoe nanao an-tsapaka hifidianana ny toeran'ireo mihitsy Izy. DH: "Efa namaritra izay hitoeran'ireo Izy"
Io dia manondro ny fomba izay andrefesan'ny olona ireo zavatra tamin'ny fotoan'ny baiboly. DH: "ary nanome toerana ho an'ireo biby Izy"
Ny andianteny hoe "taranaka faramandimby" dia manondro ny taranaky ny vahoaka rehetra izay hiaina amin'ny hoavy. Jereo ny nandikanao ny andianteny hoe "hatramin'ny taranaka faramandimby" ao amin'ny 13:19. DH: "mandrakizay no" na "ho mandrakizay"
1 Ny tany efitra sy karakaina dia hiravoravo; ary ny tani-hay hifaly sy hamony. Toy ny raozy, 2 hamelana be dia be izany ary hihoby amin'ny fifaliana sy ny hirahira; ny voninahitr'i Libanona dia homena izany, ny hatsaran-tarehin'i Karmela sy Sarona; hahita ny voninahitr'i Yaveh izy ireo, ny famirapiratan'Andriamanintsika. 3 Ampaherezo ny tanana miraviravy, ary atanjaho ireo lohalika mangovitra. 4 Lazao amin'ireo reraka am-po hoe: "Mahereza, aza matahotra! Indro, ny Andriamanitrareo ho avy miaraka amin'ny famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra. Ho avy Izy ary hamonjy anareo." 5 Dia hahiratra ny mason'ireo jamba, ary handre ny sofin'ireo marenina. 6 Dia hitsambikina toy ny diera ny olona mandringa, ary ny lelan'ny moana dia hihira, fa hivoaka avy any amin'ny tany karankaina ny rano, ary ireo loharano any an'efitra. 7 Ho tonga farihy ny fasika mandoro, ary ny tany mangetana ho tonga loharano miboiboika; any amin'ny fitoeran'ireo amboadia, izay itoeran'izy ireo fahiny, dia ho feno ahitra volotara sy zozoro. 8 Ny lalam-be any dia ho antsoiana hoe Lalana Masina. Tsy handeha amin'izany ny maloto. Fa izany dia natao ho an'izay mandeha amin'izany. Tsy misy adala handeha amin'izany. 9 Tsy hisy liona any, tsy hisy biby masiaka ao amin'izany; tsy ho hita ao izy ireo, fa ireo izay voavonjy no handeha ao. 10 Hiverina ny vidim-panavotan'i Yaveh ary ho avy any Ziona amin'ny fihirana, ary fifaliana mandrakizay no ho eo an-dohan'izy ireo; hahazo fihobiana sy firavoravoana izy ireo, handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ireo toerana ireo dia nosoritsoritana toy ny hoe ravoravo, tahaka ny olona ravoravo, satria nahazo rano ary namony izy ireo. DH: "Ho tahaka ny efitra sy Araba izay ravo ary ny efitra izay hifaly izany"
Io dia miresaka ny zava-maniry any amin'ny efitra izay mamony toy ny hoe ny efitra mihitsy no mamony. DH: "ary hamony ireo zava-maniry ao"
Io dia mampitaha ny fomba hitsirian'ny zava-maniry any an'efitra amin'ny fomba hitsirian'ny raozy. DH: "Haniry tsiry vaovao ary hazo maro be ny efitra"
Io dia miresaka ny efitra toy ny hoe faly sy mihira tahaka ny olona. DH: "ho toy ny hoe mifaly sy mihira ny zavatra rehetra!"
Io dia miresaka an'i Yaveh mampiendrika ny efitra ho be voninahitra tahaka an'i Libanona toy ny hoe nanome voninahitra ny efitr'i Libanona Izy. DH: "Hanome ny voninahitr'i Libanona ho an'izany Yaveh" na "Hahatonga izany ho be voninahitra tahaka an'i Libanona Yaveh"
Ny teny tsy eo dia afaka ampiana. Io ihany koa dia miresaka an'i Yaveh mampiendrika ny efitra ho tahaka an'i Karmela sy Saràna toy ny hoe nanome hatsaran-tarehy ny efitra Izy. DH: "ny hatsaran-tarehin'i Karmela sy Saràna dia homena izany" na "hahatonga izany ho tsara tarehy tahaka an'i Karmela sy Saràna Yaveh"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry ny endrik'i Yaveh.
Miresaka amin'ny vahoakan'i Joda i Isaia.
Ny teny hoe "tanana miraviravy" sy "lohalika mangovitra" dia manambara olona izay matahotra. DH: "Ampaherezo ireo izay miraviravy tanana sy ireo izay mangovitry ny tahotra ny lohaliny"
Eto ny olona dia tondroina amin'ny fon'izy ireo, izay manindry ny fihetseham-pon'izy ireo. DH: "ho an'ireo izay matahotra"
Io dia fomba fiteny. Io teny io eto dia nampiasaina mba hisarihana ny sain'ireo mpihaino ny amin'izay lazaina manaraka eo. DH: "Henoy"
Afaka ovaina ny teny ka hambara amin'ny matoanteny hoe "manasazy" ny anarana hoe "famaliana". Ny teny hoe "famaliana" dia manindry fa hanasazy ireo fahavalon'i Joda Andriamanitra. DH: "hanasazy ireo fahavalonareo ny amin'izay nataon'izy ireo taminareo ny Andriamanitrareo"
Ity andininy ity dia manomboka ny fanoritsoritana ny hoavy mamirapiratry ny vahoakan'Andriamanitra.
"Ny jamba" dia manondro ny olona izay jamba. Tondroina amin'ny ''masony'' izy ireo mba hanindriana ny fahasitranany. DH: "hahita ny olona jamba"
"Ny marenina" dia manondro ny olona izay tsy afaka mandre. Tondroina amin'ny "sofiny" izy ireo mba hanindriana ny fahasitranan'izy ireo. DH: "handre ny olona marenina"
Io dia midika fa ny olona izay tsy afaka mandeha dia ho afaka hitsambikina. Ny fahavitany mitsambikina dia atao itatra amin'ny filazana fa afaka mitsambikina tahaka ny diera izy. DH: "hitsambikina ambony ny malemy"
Io dia manondro ny olona izay afaka miteny. Tondroina amin'ny "lelany" izy ireo mba hanindriana ny fahasitranany. DH: "hihira ny olona moana"
Ny teny tsy eo dia afaka ampiana. DH: "hikoriana any an'efitra ireo rian-drano"
Midika izany fa hisy dobon-drano eo amin'ny fasika mandoro. Ny hevitra fenon'izany dia afaka atao mazava. DH: "Hisy dobo eo amin'ny fasika mandoro"
Eto ny tany maina dia soritsoritana toy ny hoe mangetana. DH: "ny tany maina"
Midika izany fa hisy loharano any amin'ny tany maina. Ny hevitra fenon'izany dia afaka atao mazava. DH: "Hisy loharano any amin'ny tany maina"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 13:21 izany.
Ireo dia zava-maniry izay maniry any amin'ny toerana mando.
Ity andininy ity dia manohy ny fanoritsoritana ny hoavy mamirapiratry ny vahoakan'Andriamanitra.
DH: "Hisy lalana izay antsoina hoe Ilay Lalana Masina ao"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 11:16 ihany io teny io.
Io dia manondro ny olona maloto. Ny olona izay heverin'Andriamanitra ho tsy ankasitrahana ara-panahy na maloto dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana mihitsy ilay olona. DH: "Ireo izay maloto" na "Ny olona izay tsy ankasitrahan'Andriamanitra" (UDB)
Io dia fomba fiteny. Eto ny hoe "mandeha" dia manondro ny hoe "miaina". Io dia manondro ny olona izay miaina amin'ny fiainana masina. DH: "izay miaina amin'ny fomba masina" na "izay miaina fiainana masina"
DH: "tsy hisy olona hahita azy ireo ao"
Io dia manondro ny olona izay novonjen'Andriamanitra. DH: "ireo izay novonjena" na "ireo izay novonjen'Andriamanitra"
Ny hoe "nanavotra" dia midika hoe "mamonjy". Io dia manondro ny olona izay novonjen'i Yaveh. DH: "ireo izay novonjen'i Yaveh"
Ity dia mampiasa ny lohan'ny olona mba hilazana ilay olona manontolo mihitsy. DH: "hanana fifaliana maharitra mandrakizay izy ireo"
Ny teny hoe "fihobiana" sy "firavoravoana" dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny, ary toy izany koa ny hoe "alahelo" sy "fisentoana". Ireo miaraka dia manindry ny herin'ireo fihetseham-po ireo.
Io dia miresaka ny olona izay safotry ny haravoana sy hafaliana amin'ny fanomezana ireo fihetseham-po ny toetry ny olombelona izay afaka mahazo ny olona amin-kery ireo. DH: "ho safotry ny haravoana sy hafaliana izy ireo"
Io dia miresaka ny olona izay tsy malahelo sy misento intsony amin'ny fanomezana ireo fihetseham-po ny fahafahan'ny olombelona mitsoaka. DH: "tsy halahelo sy hisento intsony izy ireo"
1 Tamin'ny taona faha efatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka, Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, dia nanafika ireo tanàna rehetra mimandan'i Joda ary nambabo azy ireo. 2 Dia nalefan'ny mpanjakan'i Asyria avy any Lakisa ho any Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka ny lehibe mpifehy miaraka amin'ny tafika lehibe. Nampifanantona ny lakan-dranon'ny farihy ambony izy, amin'ny lalam-be mankany amin'ny sahan'ny mpanasa lamba, ary nitsangana tamin'izany. 3 Ny manam-pahefana Israelita izay nivoaka ivelan'ny tanàna mba hiresaka amin'izy ireo dia i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, ny mpandrindra ny lapa, Sebna mpitan-tsoratrin'ny mpanjaka, ary Joa zanaka lahin'i Asafa, izay nanoratra ireo fanapahan-kevitrin'ny governemanta. 4 Niteny tamin'izy ireo ny lehibe manam-pahefana hoe: "Lazao amin'i Hezekia fa ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asyria, dia miteny hoe: "Inona ny loharanon'ny tokinareo?" 5 Tsy miteny afa-tsy teny tsy dia ilaina ianareo, milaza fa misy torohevitra sy hery amin'ny ady. Ankehitriny amin'iza no itokianareo? Iza no nankahery anareo hikomy hanohitra ahy? 6 Indro, mahatoky an'i Egypta ianareo, izay volotara misintaka izay ampiasainareo tahaka ny tehina, fa rehefa miantehitra amin'izany ny olona iray, dia hifikitra amin'ny tanany ka handefona azy izany. Tahaka izany i Farao mpanjakan'i Egypta amin'ny olona izay mahatoky azy. 7 Fa raha miteny amiko ianareo hoe: "Mahatoky an'i Yaveh Andriamanitray izahay," tsy azy ve ireo toerana avo sy ireo alitara izay nalain'i Hezekia, ary efa niteny tamin'i Joda sy Jerosalema hoe: "Miankohofa eo anoloan'ity alitara any Jerosalema ity"? 8 Ary ankehitriny, maniry ny hanao fanomezana tsara ho anao avy amin'ny mpanjakan'i Asyria aho. Hanome anao soavaly roa arivo aho, raha toa ka mahavita mitady mpitaingina ho azy ireo ianao." 9 Ahoana no ahafahanao manohitra na ny kapiteny iray izay kely indrindra amin'ny mpanompon'ny tompoko? Nametraka ny fahatokisanareo tamin'i Egypta noho ireo kalesy sy ireo mpitaingin-tsoavaly ianareo! 10 Ary ankehitriny, moa nandeha taty tsy niaraka tamin'i Yaveh mba hiady hanohitra ity tany ity sy handrava izany ve aho? Hoy Yaveh tamiko,"manafia ity tany ity ary ravao izany."" 11 Ary Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, sy Sebna, ary Joa niteny tamin'ny lehibe manam-pahefana hoe: "Mitenena re amin'ireo mpanomponao amin'ny fiteny Syriana, Aramaika, mba hahazoanay izany. Aza miresaka aminay amin'ny fitenin'i Joda eo an-tsofin'ireo vahoaka izay ao amin'ny manda." 12 Fa hoy ny lehibe manam-pahefana: "Moa nandefa ahy mba hiteny ireo teny ireo ho any amin'ny tomponao sy ho any aminao ve ny tompoko? Tsy nandefa ahy ho any amin'ireo lehilahy izay mipetraka eo amin'ny manda izy, izay hihinana ny malotony ihany sy hisotro ny amaniny ihany miaraka aminao?" 13 Ary nitsangana ny lehibe manam-pahefana ary nihiaka tamin'ny feo mafy tamin'ny fiteny Jiosy, miteny hoe: "Mihainoa ny tenin'ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asyria. 14 Hoy ny mpanjaka: "Aza mety hofitahin'i Hezekia ianao, fa tsy afaka ny hanavotra anao izy. 15 Aza avela hampatokian'i Hezekia amin'i Yaveh ianao, izay miteny hoe; "Hamonjy anay tokoa i Yaveh, tsy homena ho eo an-tanan'ny mpanjakan'ny Asyria ity tanàna ity. 16 Aza mihaino an'i Hezekia fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: "Mihavana amiko ary manatona ahy. Ary ny tsirairay aminareo dia hihinana avy amin'ny voalobony sy avy amin'ny hazo aviaviny ihany, ary hisotro ny rano ao anatin'ny fitoeran-dranony ihany. 17 Izany no ataonareo ambara-pahatongako sy hakako anareo ho any amin'ny tany tahaka ny taninareo ihany, tanin'ny vary sy tanin'ny divay vaovao, tanin'ny mofo sy tanim-boaloboka." 18 Aza mamela an'i Hezekia hamitaka anareo, miteny hoe: "Yaveh no hamonjy atsika". Moa nisy tamin'ireo andriamanitrin'ny vahoaka ve ka nahavonjy azy ireo avy eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria? 19 Aiza ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Ary aiza ihany koa ireo andriamanitr'i Sefarvaima? Moa ve nahavonjy an'i Samaria tamin'ny heriko izy ireo? 20 Tamin'ireo andriamanitra rehetra teto amin'ny tany, moa nisy andriamanitra nahavonjy ny taniny tamin'ny heriko ve? Tahaka ny hoe afaka mamonjy an'i Jerosalema amin'ny heriko ve i Yaveh? 21 Fa ny vahoaka nijanona nangina ary tsy nisy namaly, fa izany no didin'ny mpanjaka hoe: "Aza mamaly azy." 22 Ary i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia izay lehiben'ny ankohonana, sy Sebma mpanora-dalàna, ary Joa zanaka lahin'i Asafa, mpitàna ny raharaham-panjakana, dia nanatona an'i Hezekia miaraka amin'ireo akanjony rovitra, ary nitatitra taminy ireo tenin'ny lehibe manam-pahefana.
"ny taona faha-14"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:1 ihany io anarana mpanjaka io.
Io no anaran'ny mpanjakan'i Asyria.
Nanafika ireo tanàna ny tafik'i Sankeriba. DH: "Sankeriba sy ny tafiny...nanafika ireo tanàna mimanda rehetra''
Mandika an'io hoe "Rabsake" ny dikanteny sasany tao amin'ny Baiboly. Io dia teny Asyriana hilazana ny olona izay mpitarika ambony sokajy miaramila any Asyria.
Io dia tanàna izay atsimo atsinanan'i Jerosalema.
Adikao tahaka ny tao amin'ny 7:3 io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 22:20 ireo anaran-dehilahy ireo.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 22:15 io anaran-dehilahy io.
Ireo dia anaran-dehilahy.
"Niteny tamin'i Eliakima, Sebna, ary Joa"
Mampiasa io fanontaniana io ny mpanjakan'i Asyria mba hifanamby amin'i Hezekia sy hilazana fa tsy manana loharanon-toky tsara izy. Afaka soratana ho fehezanteny io fanontaniana io. DH: "Tsy manana loharanon-toky azo antoka ianareo."
Mampiasa io fanontaniana io ny mpanjakan'i Asyria mba hifanamby amin'i Hezekia sy hilazana fa tsy manana loharanon-toky tsara izy. Afaka soratana ho fehezanteny io. DH: "Tsy manana loharanon-toky azo antoka ianareo."
Mampiasa io fanontaniana io ny mpanjakan'i Asyria mba hanesoana an'i Hezekia tamin'ny finoany fa manana hery mba hikomiana izy. Afaka soratana ho fehezanteny io fanontaniana io. DH: "Na iza na iza itokianao, dia tsy hanana risi-po mba hikomy amiko ianao"
Ity dia manohy ny hafatry ny mpanjakan'i Asyria ho an'i Hezekia. Miteny ny hafatra amin'ireo lehilahin'i Hezekia ny lehibe mpitarika. (Jereo: 36:4)
Mampiasa io fomba fiteny io i Sankeriba mba hisarihana ny sain'i Hezekia ny amin'izay lazaina manaraka eo. DH: "Henoy"
Eto ny hoe "Egypta" dia manondro ny tafika Egyptiana. DH: "matoky ny tafika Egyptiana"
Io dia miresaka an'i Egypta, indrindra ny tafiny sy ny Faraony, toy ny hoe volotara mitsiparaka mba hanindriana fa ny fianteherana amin'ireo dia tsy hanampy azy ireo fa hanisy ratsy azy ireo fotsiny ihany. DH: "izay tahaka ny mandeha amin'ny volotara mitsiparaka mba hatao tehina. Raha miantehitra amin'izany ny olona iray, dia hiraikitra eo amin'ny tanany izany ka hanindrona izany"
Ny volotara dia sampan-java-maniry lava, manify izay tahaka ny ahitra lava. Raha atsiparaka na simbaina izany dia tsy mahavita mitondra mavesatra.
Io dia tsora-kazo izay ampiasain'ny olona mba hanohana azy rehefa mandeha izy, vita amin'izay karazana rantsan-kazo rehetra izay hita eny an-dalana izany.
Mampiasa io fanontaniana io ny mpanjakan'i Asyria mba hanazavana fa tezitra tamin'izay nataon'i Hezekia Yaveh ka tsy hiaro azy ireo. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Azy ireo toerana avo sy ireo alitara izay nalain'i Hezekia...Jerosalema" na "Izy no Ilay izay notsiratsirain'i Hezekia tamin'ny fandravana ireo toerany avo sy ireo alitarany...Jerosalema." (UDB).
"Joda" sy "Jerosalema" dia manondro ny vahoaka izay mipetraka ao amin'ireo. DH: "efa niteny tamin'ny vahoakan'i Joda sy Jerosalema fa tsy maintsy hanompo ny alitarany any Jerosalema ihany izy ireo."
Ity dia manohy ny hafatry ny mpanjakan'i Asyria ho an'i Hezekia. Miteny ny hafatra amin'ireo lehilahin'i Hezekia ny lehibe mpitarika. (Jereo: 36:4)
"soavaly 2.000'
Mbola manohy maneso an'i Hezekia sy ny tafiny ny lehibe mpifehy amin'ny fanazavana fa tsy manana miaramila maro izy.
Ity dia manohy ny hafatry ny mpanjakan'i Asyria ho an'i Hezekia. Miteny ny hafatra amin'ireo lehilahin'i Hezekia ny lehibe mpitarika. (Jereo: 36:4)
Mbola manohy maneso an'i Hezekia sy ny tafiny ihany ny lehibe mpitarika. Rehefa miteny hoe "ianao", izay manondro an'i Hezekia izy, dia manondro ny tafik'i Hezekia izy izay. Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy afaka handresy na dia kapiteny iray aza ny tafikao...mpanompon'ny tompoko aza."
Mampiasa fanontaniana hafa mba hanesoana an'i Hezekia sy ny vahoakan'i Joda ny lehibe mpitarika. Afaka soratana ho fehezanteny io fanontaniana io. DH: "Tonga teto nohon'ny baikon'i Yaveh dia ny handravana an'i Jerosalema aho."
Eto "Yaveh" dia manondro ny baikon'i Yaveh. DH: "tsy tamin'ny baikon'i Yaveh"
Io dia midika hoe miady amin'ny vahoaka ka mahatonga faharavana any amin'ny toerana izay ipetrahan'izy ireo. Ny tany dia manondro an'i Jerosalema eto. DH: "hanohitra ity vahoaka ity ary handrava ny tanin'izy ireo...Manafia ity vahoaka ity ary ravao ny tanin'izy ireo"
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 22:20 ireo anaran-dehilahy ireo.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 22:15 io anaran-dehilahy io.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 36:1 ihany io anaran-dehilahy sy ny andianteny hoe "lehibe mpifehy" io.
Eliakima, Sebna, ary Joa dia manondro ny tenan'izy ireo amin'ny hoe mpanomponao amin'ny lehibe mpifehy. Io dia fomba mihaja mba hiresahana amin'ny olona izay ambony fahefana kokoa.
Ny "Syriana" dia anarana vondron'olona. Ny "Aramaika" dia anaran'ny fitenin'izy ireo.
Ny fomba fiteny hoe "miteny eo an-tsofin'ny olona" dia midika hoe miteny eo amin'izay handrenesan'izy ireo. DH: "eo amin'izay ahafahan'ny olona eny an-dalana mandre antsika"
Midika izany fa nijoro teo amin'ny manda izy ireo. Ny tampon'ny manda dia malalaka sady toerana izay azon'ny olona hipetrahana na hijoroana. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "izay nijoro teo amin'ny manda"
Mampiasa io fanontaniana io ny lehibe mpifehy mba hanindriana fa ho an'ny vahoakan'i Joda rehetra ny hafany. Afaka soratana amin'ny fehezanteny izany fanontaniana izany. DH: "Nandefa ahy mba hiteny izao hafatra izao aminao sy amin'ireo rehetra izay afaka mandre tokoa ny tompoko."
Mampiasa io fanontaniana io ny lehibe mpifehy mba hanindriana ny fanesoany. Afaka soratana amin'ny fehezanteny izany. DH: "Nandefa ahy hankany amin'ny olon-drehetra izay mandre izao, izay...tokoa ny tompoko."
Io dia fanambarana tena manafintohina tokoa. Manazava izy fa mila mihinana ireo zavatra ireo izy ireo satria tsy hisy zavatra hafa azon'izy ireo hohanina satria voatafika ny tanànan'izy ireo. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: " tsy ho ela dia hihinana ny malotony sy hisotro ny amaniny, tahaka izay ho ataonao, ihany izy ireo satria tsy hisy zavatra hafa hohaninareo" (UDB)
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 36:1 ihany io andianteny io.
DH: "Tsy hanome an'i Jerosalema eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria Yaveh"
Ny "tanan'ny" mpanjaka dia manondro ny "fifehezany". DH: "ny fifehezan'ny mpanjaka"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Joda ny lehibe mpitarika.
Io fomba fiteny io dia midika hoe manaiky am-pahahibemaso mba hanao zavatra mba hampihavana. DH: "ndeha isika hanaiky hihavana"
Io fomba fiteny io dia midika hoe manaiky. DH: "manaiky ahy" (UDB)
Eto ny mpanjakan'i Asyria dia tondroina amin'ny tafiny toy ny hoe tenany mihitsy izany. DH: "ambara-pahatonga sy hakan'ny tafiko"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary nampiasaina miaraka mba hanindriana ny hiroboroboan'ny tany.
Midika izany fa feno zavatra natoraly ny tanin'izy ireo, toy ny hoe vary. DH: "tany izay feno vary...tany izay feno mofo"
Mbola manohy miteny ny hafatry ny mpanjakan'i Asyria amin'ny vahoakan'i Joda ny lehibe mpifehy. (Jereo: 36:16)
Mampiasa io fanontaniana io ny lehibe mpifehy mba hanesoana ny vahoakan'i Joda. Afaka soratana amin'ny fehezanteny izany fanontaniana izany. DH: "Tsy misy olon'andriamanitra namonjy azy ireo tamin'ny...Asyria."
Ny fifehezan'ny mpanjaka dia tondroina amin'ny "tanany". DH: "ny fifehezan'ny mpanjaka"
Mampiasa io fanontaniana io ny lehibe mpifehy mba hanesoana ny vahoakan'i Joda. Afaka atambatra ary soratana amin'ny fehezanteny izany fanontaniana izany. DH: "Tsy namonjy ny vahoakan'izy ireo tamin'ny heriko ireo andriamanitr'i Hamata, Arpada, Sefarvaima, ary Samaria."
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 10:7 ireo anaran-tanàna ireo.
Io dia anaran-tanàna.
Mampiasa io fanontaniana io ny lehibe mpifehy mba hanesoana ny vahoakan'i Joda. Afaka soratana amin'ny fehezanteny izany fanontaniana izany. DH: "tsy misy andriamanitra izay namonjy...ary tsy hamonjy anareo izay any Jerosalema tsy hiharan'ny heriko Yaveh."
Io dia manondro ny olona izay mipetraka ao amin'ilay tany. DH: "ny vahoakany"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 36:1 ireo anaran-dehilahy ireo.
Io fomba fiteny io dia midika fa izy no misahana ny raharaha ao amin'ny tokantranon'ny lapa. DH: "misahana ny lapa"
Nandrovitra ny akanjon'izy ireo ny manamboninahitr'i Hezekia mba ho famantarana fa misaona sy ory izy ireo. Ny hevitr'izany dia afaka atao mazava. DH: "niaraka tamin'ny akanjon'izy ireo rovitra satria ory loatra izy ireo" (UDB)
1 Rehefa ren'i Hezekia Mpanjaka ny tatitr'izy ireo, dia nandriatra ny akanjony izy, ka nanarona ny tenany tamin'ny akanjo fisaonana, ary nankany an-tranon'i Yaveh. 2 Izy dia naniraka an'i Eliakima, izay lohan'ny ankohonana, sy Sebna mpanora-dalàna, ary ireo lohan'ny mpisorona, samy nisarona akanjo fisaonana avokoa, ho any amin'i Isaia mpaminany, zanak'i Amoza. 3 Hoy izy ireo taminy: "Hoy i Hezekia hoe: 'Ity andro ity dia andron'ny fahoriana, fibedesana, ary fanalam-baraka, tahaka ny zaza efa ho teraka, nefa ny reniny dia tsy manana hery hiterahana ny zanany. 4 Mety ho ren'i Yaveh Andriamanitrao ihany ireo tenin'ny lehiben'ny mpifehy, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria mba hihantsy an'Andriamanitra velona, ka hiteny mafy ireo teny izay ren'i Yaveh Andriamanitrao. Ankehitriny dia asandrato ho an'izay mbola tavela eto ny vavakao."' 5 Ka nankany amin'i Isaia ireo mpanompon'i Hezekia mpanjaka, 6 ary hoy i Isaia tamin'izy ireo: "Lazao amin'ny tomponareo hoe: "Aza matahotra ny teny izay efa renao, izay tamin'izany no nanevatevan'ireo mpanompon'ny mpanjakan'i Asyria ahy. 7 Indro, hametraka fanahy ao aminy aho, ary hahare ny tatitra sasany izy ka hiverina any amin'ny taniny. Hataoko lavon'ny sabatra any amin'ny taniny ihany izy.""' 8 Ary niverina ireo lehiben'ny mpitarika ka nahita ny mpanjakan'i Asyria niady tamin'i Libna, fa efa reny fa niala tao Lakisy ny mpanjaka. 9 Ary ren'i Senkeriba fa nihetsika hiady aminy i Tiraka mpanjakan'i Etiopia sy Egypta, ka naniraka mpitondra hafatra miaraka amin'ny hafatra tany amin'i Hezekia indray izy: 10 "Lazao amin'i Hezekia, mpanjakan'i Joda hoe: 'Aza avela handiso fanantenana anao ny Andriamanitrao izay itokianao, manao hoe: "Tsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria i Jerosalema." 11 Indro, efa renareo izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra tamin'ny fandravana azy ireo tanteraka. Koa ho voavonjy ve ianareo? 12 Moa ve namonjy azy ireo andriamanitry ny firenena, dia ireo firenena izay noravan'ireo razambeko: Gozana, Harana, Razefa, ary ny vahoakan'i Edena tao Telasara? 13 Aiza ny mpanjakan'i Hamata, mpanjakan'i Arpada, mpanjakan'ireo tanànan'i Sefarvaima, Hena, ary Iva?"' 14 Nandray ny taratasy teny an-tanan'ny mpitondra hafatra i Hezekia ary namaky izany. Dia nankany an-tranon'i Yaveh izy ary namelatra izany teo anatrehany. 15 Nivavaka tamin'i Yaveh i Hezekia hoe: 16 "Ry Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, Ianao izay mipetraka eo ambony Kerobima, Ianao irery no Andriamanitra eo amin'ny fanjakan'ny tany rehetra. Ianao no nahary ny lanitra sy ny tany. 17 Atongilano ny sofinao, ry Yaveh, ary mihainoa. Sokafy ny masonao, ry Yaveh, ka jereo, ary henoy ireo tenin'i Sankeriba, izay efa nalefany hanesoana an'Andriamanitra velona. 18 Marina izany, ry Yaveh, fa noravan'ny mpanjakan'i Asyria ny firenena rehetra sy ny tanin'izy ireo. 19 Efa nataony tao anaty afo ireo andriamaniny, fa tsy andriamanitra ireny fa asan-tanan'olona, hazo sy vato ihany. Ka dia nopotehin'ny Asyriana ireo. 20 Koa ankehitriny, ry Yaveh Andriamanitray, vonjeo eo amin'ny heriny izahay, mba ho fantatry ny fanjakan'ny tany rehetra fa Ianao irery ihany no Yaveh." 21 Ary nandefa hafatra tany amin'i Isaia zanak'i Amoza i Hezekia, manao hoe: "Yaveh, Andriamanitr'Israely manao hoe: 'Satria efa nivavaka tamiko mahakasika an'i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ianao, 22 dia izao ny teny izay nolazain'i Yaveh ny momba azy: "Manao tsinontsinona sy manala baraka anao ny zanaka vavy virijin'i Ziona; mihifikifi-doha aminao ny zanaka vavy. Nihantsy sy naniratsira an'iza ianao? 23 Nampiaka-peo sy nivandravandra tam-pireherehana tamin'iza ianao? Tamin'ny Ilay Masin'Israely. 24 Tamin'ny alalan'ireo mpanomponao no nihantsianao ny Tompo ary nanaovanao hoe: 'Tamin'ny hamaroan'ny kalesiko no niakarako teny amin'ny havoan'ireo tendrombohitra, tamin'ny fiakarana avo indrindra an'i Libanona. Hokapaiko ireo sederany lava ary hofidiako ireo hazon-kypreso any, ary hihiditra ao amin'ny toerany ambony indrindra aho, dia ny alany mamoha be indrindra. 25 Efa nihady lava-drano aho ary nisotro rano; [1] Noritraiko ny reniranon'i Egypta rehetra ambanin'ny faladian-tongotro.' 26 Moa ve tsy renao ny namaritako izany fotoana maro lasa izay sy nanaovako izany tamin'ny fotoana fahiny? Ary entiko mba hitranga izany. Eto ianao mba handrava ireo tanàna matanjaka ho lasa korotam-bato. 27 Ireo mponiny, tsy manan-kery, dia kivy sy afa-baraka. Voly any an-tsaha izy ireo, ahi-maitso, ahitra eny ambony tafo na eny an-tsaha, mialohan'ny rivotra avy any atsinana. 28 Fa fantatro ny fipetrakao, ny fivoahanao, ny fidiranao, ary ny hatezeranao Amiko. 29 Nohon'ny hatezeranao Amiko, nohon'ny avonavonao izay nipàka tamin'ny sofiko, dia hametrahako farangoko eo amin'ny oronao, ary ny lamboridiko eo amin'ny vavanao; haveriko any amin'izay lalana niavianao ianao." 30 Izao no ho famantarana ho anao: Hihinana izay maniriniry foana ianao amin'ity taona ity, ary izay maniry amin'izany amin'ny taona faharoa. Fa amin'ny taona fahatelo dia tsy maintsy mamboly ianao ary mioty, manaova tanim-boaloboka ary hano ny vokany. 31 Ireo sisa amin'ny ankohonan'i Joda izay tsy maty dia hamaka sy hamokatra indray. 32 Fa avy ao Jerosalema no hivoahan'ireo sisa; avy ao an-Tendrombohitr'i Ziona ireo tsy maty. Hanao izany ny zotom-pon'i Yaveh Tompon'ny maro."' 33 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh momban'ny mpanjakan'i Asyria: "Tsy hiditra eto amin'ity tanàna ity, na hanipy tsipìka eto izy. Na ho tonga alohan'izany miaraka amin'ny ampinga na hanangana rindrina fiakarana amin'izany izy. 34 Ny lalana nahatongavany ihany no ho lalana hialany; tsy hiditra ao amin'ity tanàna ity izy_izany no fanambaran'i Yaveh. 35 Fa hiaro ity tanàna ity Aho ary hamonjy izany, nohon'ny Amiko sy nohon'ny amin'i Davida mpanompoko." 36 Ary ny anjelin'i Yaveh dia nivoaka ka nanafika ny tobin'ireo Asyriana, nahafaty miaramila185.000. Rehefa nifoha maraim-be ireo lehilahy, dia nitsirara teny rehetra teny ny fatin'olona. 37 Ka nandao an'Israely i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ary nody tany an-trano ka nitoetra tao Ninive. 38 Taty aoriana, raha mbola nidera tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia namono azy tamin'ny sabatra i Adrameleka sy Sarezera zanany lahy. Avy eo dia nitsoaka tany amin'ny tanin'i Ararata izy ireo. Ary dia i Esara-hadona zanany no nanjaka teo amin'ny toerany.
Io andianteny io dia manamarika tranga tena manan-danja. Raha misy fomba hilazana izany amin'ny fiteninao, dia afaka mampiasa izany eto ianao.
Io dia mariky ny fisaonana sy fahoriana. DH: "nandriatra ny akanjony ary nirakotra lamba fisaonana izy satria ory loatra"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 36:1 ireo anaran-dehilahy ireo.
Io fomba fiteny io dia midika fa izy no misahana ny raharaha ao amin'ny tokantranon'ny lapa. DH: "misahana ny lapa"
Io dia mariky ny fisaonana sy fahoriana.
"Hoy ireo lehilahy nirahin'i Hezekia tamin'i Isaia"
Io fampitahana io dia natao hanindriana fa ao anaty fotoan-tsarotra loatra izy ireo. DH: "Tena ratsy tahaka ny andro izay efa hahaterahan'ny zaza izany, nefa tsy mbola manana hery hiterahana azy ny reniny"
Tsy manolotra hevitra mivantana Hezekia fa hoe raha mivavaka ny olona dia mety hihaino ary hiasa amin'izay lazain'ny lehibe mpifehy Yaveh. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "Mety hoe raha mivavaka amin'i Yaveh ianareo dia hihaino ny hafatra ny Andriamanitrareo"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 36:1 io andianteny io.
Io andianteny io dia midika fa ny mpanjaka no tompon'ny lehiben'ny mpifehy.
Eto ny andianteny hoe "ireo teny izay ren'i Yaveh Andriamanitrao" dia manondro izay nolazain'ny mpanjakan'i Asyria. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "ary hiteny mafy ny mpanjakan'i Asyria ny amin'izay nolazainy Yaveh Andriamanitrao"
Ny fivavahana amin'i Yaveh dia soritsoritana tahaka izany mba hanindriana fa any an-danitra Yaveh. Ny vavaka dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka asandratra ambony any an-danitra. DH: "mivavaha"
Io dia manondro ny olona izay sisa tavela tany Jerosalema. DH: "ho an'ny vitsy amintsika izay mbola eto"
Ny andianteny hoe "mametraka fanahy ao aminy" dia midika fa hahatonga azy hanana fanapahan-kevitra hentitra Andriamanitra. Ny teny hoe "fanahy" eto dia midika hoe toe-tsaina na fihetseham-po tena matanjaka. DH: "Hitarika azy Aho mba rehefa mandre ny tatitra izy, dia hiverina any amin'ny taniny"
Io teny io eto dia fomba fiteny ary nampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona ny amin'izay lazaina manaraka eo. DH: "Henoy"
Ny andianteny hoe "lavon'ny sabatra" dia fomba fiteny izay midika fa hamono azy amin-tsabatra ny fahavalony. DH: "Ary ao amin'ny taniny ihany, no hanirahako ireo fahavalony mba hamono azy amin'ny sabatr'izy ireo"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 36:1 io anaran-tanàna io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 36:1 io anaran-dehilahy io.
Io dia anaran-tanàna any atsimon'i Joda.
"Tiraka" dia anaran-dehilahy. Nanetsika ny tafiny izy mba ho vonona hiady ireo. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "Efa nanetsika ny tafiny i Tiraka mpanjakan'i Etiopia sy Egypta"
Ny teny hoe "aminy" dia manambara an'i Sankeriba. Io andianteny io dia manondro ny fiadiana tamin'ny tafik'i Sankeriba. DH: "mba hiady amin'ny tafik'i Sankeriba"
Ny teny hoe "tanana" dia manondro ny herin'ny tafika miaramila. DH: "Tsy handresy anareo ao Jerosalema ny mpanjakan'i Asyria sy ny tafiny"
Ity dia manohy ny hafatry ny mpanjakan'i Asyria ho an'i Hezekia.
Io dia fomba fiteny. Ny teny hoe "indro" eto dia nampiasaina mba hanampy fanindriana ny amin'izay lazaina manaraka. DH: "Efa renareo tokoa" (UDB)
Mampiasa io fanontaniana io ny mpanjakan'i Asyria mba hanesoana an'i Hezekia sy ny tafiny. Mety azo soratana amin'ny fehezanteny izany. DH: "Koa tsy ho voavonjy ihany koa ianareo." na "Koa tsy hisy hamonjy anareo ihany koa!"
Mampiasa io fanontaniana io ny mpanjakan'i Asyria mba hanesoana an'i Hezekia sy ny tafiny. Mety azo soratana amin'ny fehezanteny izany. DH: "Tsy namonjy ireo firenena izay noravan'ireo razambeko ny andriamanitry ny firenena...Telasara!"
Ireo dia toerana izay resin'ireo Asyriana.
Mampiasa io fanontaniana io ny mpanjakan'i Asyria mba hanesoana an'i Hezekia sy ny tafiny. Mety azo soratana amin'ny fehezanteny izany. DH: "Nandresy ny mpanjaka ihany koa izahay...Iva!"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 36:18 ireo anaran-tanàna ireo.
Eto ireo mpitondra hafatra dia tondroina amin'ny "tanan'izy ireo" mba hanindriana fa nanome izany ho an'ny mpanjaka mihitsy izy ireo. DH: "izay nomen'ireo mpitondra hafatra azy" (UDB)
Ny tranon'i Yaveh dia tao amin'ny toerana avo indrindra tao Jerosalema, koa dia resahina hoe "ambony" izany.
"namelatra ny taratasy teo anatrehany" (UDB). Ny hoe ao an-tranon'i Yaveh dia heverina ho toy ny hoe eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh ihany. Ny taratasy dia horonana izay afaka ahorona ary avelatra.
Eto Hezekia dia miresaka an'i Yaveh izay ao amin'ny tempoly. Ny hevitr'izany dia afaka atao mazava. DH: "Ianao izay eto amin'ny kerobima"
Io fomba fiteny io dia midika hoe manana fahefana sy manapaka ireo fanjakana rehetra. DH: "manana fahefana amin'ireo fanjakana rehetra"
Midika izany fa nahary ny zava-drehetra Izy. DH: "Ianao no nanao ny zava-drehetra"
Mbola manohy mivavaka Hezekia.
Tondroina amin'ny taratasy avy amin'i Sankeriba i Hezekia. Ny hevitr'izany dia afaka atao mazava. DH: "ao amin'ny hafatra izay nalefany"
"Atongilano ny lohanao." Midika hoe manongilana ny lohanao mba ahafahanao mandre tsara ny zavatra rehetra izany.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 36:1 ireo anaran-dehilahy ireo.
Io dia itatra. Mandrava ny maro amin'ireo tany akaiky ireo mpanjaka, nefa tsy ny tany rehetra akory. DH: "ny maro amin'ireo firenena sy ny tanin'izy ireo"
Mbola manohy mivavaka Hezekia.
Io dia manondro fa nanao ireo sampy ireo tamin'ny tanan'izy ireo ihany ny olombelona sady tsy mendrika izany. DH: "satria andriamani-tsy izy izay nataon'ny olona tamin'ny hazo sy vato ireo"
"amin'ny herin'ny mpanjakan'i Asyria"
Io dia manondro ny vahoaka ao amin'ny fanjakana. DH: "ny vahoaka rehetra ao amin'ny fanjakana"
"Ianao irery, ry Yaveh, no Andriamanitra"
Midika izany fa nandefa mpitondra hafatra mba hanome ny hafatra ho an'ny mpanjaka izy. DH: "nandefa olona mba hitondra ny hafatra"
"izao no nolazain'i Yaveh"
"mihomehy anao" na "mananihany anao"
Io dia fihetsika mba hanalana baraka.
Ireo dia fomba fiteny. Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Ny hoe "zanaka vavin'ny" tanàna dia manambara ny olona izay mipetraka ao amin'ilay tanàna. Jereo ny nandikanao izany andianteny izany ihany tao amin'ny 1:7. DH: "Ny vahoakan'i Ziona...ny vahoakan'i Jerosalema"
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io mba hanesoana ny mpanjakan'i Asyria Yaveh. Afaka soratana ho fehezanteny ireo. DH: "Nihantsy sy naniratsira an'i Yaveh ianao, nihiaka sy nanao zavatra tam-pireharehana tamin'Ilay Masin'Israely ianao!"
Io dia manondro ny fitenena mafy dia mafy toy ny hoe zavatra izay ampiakarin'izy ireo ambony ny feon'olona. DH: "nihiaka mafy"
Io dia fomba fiteny izay midika hoe mijery zavatra am-pireharehana. DH: "nijery tam-pireharehana" na "nanao zavatra tam-pireharehana"
Ity no manohy ny hafatr'i Yaveh ho an'ny mpanjakan'i Asyria.
Io dia manondro ireo mpanompo izay nalefany tany amin'i Hezekia izay nitondra hafatra. Afaka ambara mazava izany. DH: "Ao amin'ny hafatra izay nalefanao tamin'ny alalan'ireo mpanomponao"
Eto Sankeriba dia miresaka ny tenany ho nahavita zavatra maro. Tena nahavita ireo niaraka tamin'ireo tafiny sy ireo kalesiny tokoa izy. DH: "niakaranay...Ho kapainay...niditra...izahay...nihady....izahay...Noritrainay...tongotray"
"ireo sedera lavan'i Libanona"
Eto ny teny hoe "mamokatra" dia manondro ny ala izay tena matevina ary feno hazo mamokatra. Ny teny tsy eo dia azo ampiana mba hampahazava kokoa. DH: "ary ao amin'ny ala mamokatra be indrindra"
Eto Sankeriba dia manitatra ny vitany sy ny diany teny am-pitan'ny reniranon'i Egypta tamin'ny filazana hoe nandritra ireo renirano izy rehefa nasiany nandeha tamin'ireo ny tafiny. DH: "Nitety ireo renirano rehetra tao Egypta toy ny hoe tany maina teo ambany tongotro aho"
Ity no manohy ny hafatr'i Yaveh ho an'ny mpanjakan'i Asyria.
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io Yaveh mba hampahatsiahivana an'i Sankeriba ireo fampahalalana izay tokony efa fantany. Afaka soratana ho fehezanteny io. DH: "Efa fantatrao tokoa...tamin'ny fotoana fahiny."
Nokasain'i Yaveh mba handrava ireo tanàna izay noravan'izy ireo ny tafik'i Sankeriba. Afaka ambara mazava izany. DH: "Nikasa Aho hoe handrava ireo tanàna ary hahatonga izany ho lasa korotam-bato ny tafikao" (UDB)
voambina mafy tokoa
"izay malemy"
Ny fomba fiteny hoe "manao zavatra mba hitranga" dia midika hoe mahatonga zavatra iray mba hiseho. DH: "Hampitranga izany Aho" na "Hataoko mitranga ireo zavatra ireo"
Io dia miresaka ny fahalemena sy harefon'ireo tanàna eo anatrahen'ny tafika Asyriana amin'ny fampitahana ireo tanàna amin'ny ahitra. DH: "Malemy tahaka ny ahitra any an-tsaha eo anatrehan'ireo tafikao ny tanàna. Malemy tahaka ny ahitra izay maniry eny an-tafon-trano sy doran'ny hafanan'ny rivotra avy any atsinanana izy ireo."
Ny rivotra avy any atsinanana dia mafana ary maina izay avy any an'efitra ka maty ireo zava-maniry rehefa mitsoka izany.
Ity no manohy ny hafatr'i Yaveh ho an'ny mpanjakan'i Asyria.
Io dia manondro ireo asa rehetra andavan'andro. DH: "Fantatro ny zavatra rehetra izay ataonao"
Ny teny hoe "hatezerana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "tena tezitra tokoa ianao"
Eto ny hoe "avonavon'ny" mpanjaka dia manondro ny fiteniny feno avonavona. DH: "ny teninao feno avonavona"
Io dia miresaka an'i Yaveh mandre ny tenin'ny mpanjaka toy ny hoe zavatra izay nandeha teo an-tsofiny ny tenin'ny mpanjaka. DH: "Reko niteny tamim-piavonavonana ianao"
Mampiasa farango sy lamboridy ny olona mba hitarihana biby. Io dia miresaka an'i Yaveh mitarika ny mpanjaka toy ny hoe biby izay tarihin'i Yaveh amin'ny farango sy lamboridy ny mpanjaka. DH: "Hitarika anao tahaka ny olona mitarika ny biby amin'ny fametrahana farango eo amin'ny oronao sy lamboridy eo amin'ny vavanao Aho"
Io dia manondro ny hampiverenana ny mpanjaka mba ho any amin'ny tanànany ihany. Ny hevitr'izany dia afaka atao mazava. DH: "Hanery anao hiverina any amin'ny tanànanao ihany Aho"
Ity no manohy ny hafatr'i Yaveh ho an'i Hezekia. (Jereo: 37:21)
"famantarana ho anao, ry Hezekia." Eto ny hoe "anao" dia manondro an'i Hezekia.
Eto ny hoe "ianao" dia manondro ny vahoakan'i Joda.
"taona faha 2"
Ny teny tsy eo dia afaka ampiana. DH: "amin'ny taona faharoa dia hihinana izay maniry ianao"
"izay maniry hoazy amin'izany" na "izay maniry hoazy"
Ity no manohy ny hafatr'i Yaveh ho an'i Hezekia.
Ny "sisa'' dia ampahan-javatra izay tavela rehefa lasa avokoa ny ambiny. Eto dia manondro ny olona izay tavela tao Joda io.
Eto ny "ankohonan'i" Joda dia manondro ireo taranany. DH: "ireo taranak'i Joda"
Io dia miresaka ny vahoakan'i Joda lasa mitombo be toy ny hoe zava-maniry izay hamaka ary hamokatra izy ireo. DH: "hitombo tahaka ny zava-maniry izay hamaka ary hamokatra"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary nampiarahina mba hanindriana ny sisa tavela tamin'ny vahoaka izay ho velona.
Io dia miresaka an'i Yaveh manao zavatra noho ny zotom-pony toy ny hoe tena manao zavatra ny "zotom-pony". DH: "Noho ny zotom-pony, dia hanao izany Yaveh tompon'ny maro" na "hanao izany noho ny zotom-pony Yaveh tompon'ny maro"
Eto ny mpanjakan'ny Asyriana dia manondro azy sy ny tafiny. DH: "Tsy hiditra ny tafiny...Na ho tonga izy ireo"
"miaraka amin'ny ampinga maro"
tovon-tany lehibe namboarina teo amin'ny mandan'ny tanàna izay ahafahan'ny tafika manafika tsara ny tanàna.
Eto ny mpanjakan'ny Asyriana dia manondro azy sy ny tafiny. DH: "nahatongavan'izy ireo...tsy hiditra izy ireo"
Afaka ovaina ny teny ka hambara amin'ny matoanteny hoe "nilaza" ny anarana hoe "fanambarana". Jereo ny nandikanao izany andianteny izany ihany tao amin'ny 14:21. DH: "Izany no nambaran'i Yaveh" na "Izany no nolazain'i Yaveh"
Mbola manohy miteny Yaveh.
"nohon'ny fitiavana anao"
Io fomba fiteny io dia midika hoe mamono. DH: "nahavono"
Eto Sankeriba dia manondro azy sy ny tafiny. Niala tao Israely avokoa izy ireo ary niverina nody tany Asyria. Niverina tany Ninive tany amin'ny tananany i Sankariba. DH: "Niala tao Israely i Sankeriba sy ny tafiny ka nody, ary nitoetra tany Ninive Sankeriba."
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 36:1 io anaran-dehilahy io.
"raha mbola nidera i Sankeriba"
Io dia anaran'andriamani-tsy izy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
"tamin'ny sabatr'izy ireo"
1 Tamin'ireo andro ireo i Hezekia dia narary mafy efa eo andalam-pahafatesana. Koa tonga teo aminy Isaia zanaka lahin'i Amoza, ilay mpaminany, ary nanao taminy hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: 'Alamino ny tranonao; fa ho faty ianao, fa tsy ho velona."' 2 Dia nanodina ny tavany nankany amin'ny rindrina i Hezekia ary nivavaka tamin'i Yaveh. 3 Hoy izy: "Mba tsarovy re ry Yaveh, ny nandehanako am-pahatokiana tamin'ny foko manontolo teo anatrehanao, sy ny nanaovako ny tsara teo imasonao." Dia nitomany mafy i Hezekia avy eo. 4 Ary tonga tamin'Isaia ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 5 "Mandehana ary lazao amin'i Hezekia, mpitarika ny oloko hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Davida razambenao: Efa reko ny vavakao, ary efa hitako ireo ranomasonao. Indro, hanampy dimy ambin'ny folo taona amin'ny fiainanao Aho. 6 Dia hanavotra anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho, ary hiaro ity tanàna ity. 7 Izao no ho famantarana avy amin'i Yaveh ho anao, fa ho ataoko izay nampanantenaiko. 8 Indro, hampiverina ny aloka eo amin'ireo tohatr'i Ahaza ho folo dingana Aho."" Ka niverina ambaratonga folo ireo tohatra teo amin'izay nihoatra. 9 Izao no vavaka voasoratr'i Hezekia mpanjakan'i Joda, rehefa narary ary sitrana izy: 10 "Izaho nilaza fa eo amin'ny antenantenan'ny fiainako dia handeha amin'ireo vavahadin'ny fiainan-tsy hita aho; nalefa tany aho mandritra ny taona sisa hiainako. 11 Hoy aho hoe tsy hahita an'i Yaveh intsony aho, Yaveh any amin'ny tanin'ny velona; tsy hijery ny olombelona na ireo mponin'ny tany intsony aho. [1]12 Nesorina sy nalàna tamiko tahaka ny lain'ny mpiandry ondry ny aiko; naforiporitro tahaka ny tenona ny aiko; manapaka ahy amin'ny fitaovana fanenomana Ianao; eo antenantenan'ny andro sy ny alina Ianao no manapitra ny aiko. 13 Nihiaka mafy mandra-maraina aho; tahaka ny liona no famakiany ireo taolako rehetra. Eo antenantenan'ny andro sy ny alina Ianao no manapitra ny aiko. 14 Mikoraraika tahaka ny sidintsidina aho; mitolokoloko tahaka ny voromailala aho; reraka miandrandra ambony ny masoko. Ry Tompo, ory aho; ampio aho. 15 Inona no tokony ho lazaiko? Sady niteny izy, no nanatanteraka izany tamiko; hamindra moramora amin'ny taona hiainako rehetra aho satria tototry ny alahelo. 16 Ry Tompo, ireo fijaliana nalefanao dia tsara ho ahy; ho averina amiko indray anie ny aiko; namerina ny aiko sy ny fahasalamako Ianao. 17 Tombontsoa ho ahy ny niainako alahelo tahaka ireny. Nanavotra ahy tamin'ny lavaky ny faharavana Ianao; efa nanipy ireo fahotako rehetra ho any an-damosinao Ianao. 18 Fa tsy misaotra anao ny fiainan-tsy hita; tsy midera anao ny fahafatesana; ireo izay midina ao anaty lavaka dia tsy manantena ny fahamendreham-pitokisanao. 19 Ny olombelona, ny olombelona, izy no ilay iray izay manome fisaorana anao, tahaka ny ataoko amin'ity andro ity; ray mampahafantatra ny fahamendreham-pitokisanao amin'ireo zanaka. 20 Eo andalam-pamonjena ahy i Yaveh, ary hankalaza amin'ny hira izahay amin'ny androm-piainanay rehetra ao an-tranon'i Yaveh." 21 Ary hoy Isaia: "Aoka izy ireo haka vongan'aviavy ary hametraka izany eo amin'ny vay, dia ho sitrana izy." 22 Hoy ihany koa i Hezekia hoe: "Inona no ho famantarana fa tokony hiakatra ho any an-tranon'i Yaveh aho?"
Io dia midika hoe manomana ny fianakavianao sy ireo izay misahana ny raharahanao mba hahafantaran'izy ireo izay ho atao rehefa maty ianao. Afaka soratana mazava izany. DH: "Tokony milaza amin'ny olona ao an-dapanao izay tianao ataon'izy ireo aorian'ny fahafatesanao ianao" (UDB)
Io fomba fiteny io dia midika hoe mahatadidiy. DH: "tadidio"
Io dia fomba fiteny. Eto ny hoe "mandeha'' dia midika hoe "miaina". Ny andianteny dia midika hoe miaina amin'ny fomba izay ankasitrahan'i Yaveh. DH: "niaina tamim-pahatokiana teo anatrehako" na "nanompo Ahy tamim-pahatokiana"
Eto ny hoe "fo" dia manondro ny ao anaty izay manambara ny fanoloron-tenan'ny olona manontolo. DH: "amin'ny ao anatiko rehetra" (UDB) na "amin'ny fanoloran-tenako manontolo"
Io andianteny hoe "teo imasonao" io dia manondro izay eritreretin'i Yaveh. DH: "izay ankasitrahinao" na "izay heverinao ho tsara"
Io dia fomba fiteny izay nampiasaina mba hampidirana ny zavatra izay nolazain'Andriamanitra tamin'ireo mpaminaniny na ny vahoakany. DH: "Nilaza izao hafatra izao Yaveh" na "nilaza ireo teny ireo Yaveh"
Io dia fomba fiteny. Nampiasaina eto io mba hisarihana ny sain'ny mpihaino ny amin'izay lazaina manaraka eo. DH: "Henoy"
"15 taona"
Eto ny "tanan'ny" mpanjaka dia manondro ny fahefany. DH: "ny fahefan'ny mpanjakan'i Asyria"
Mbola manohy miresaka amin'i Hezekia i Yaveh.
Io dia fomba fiteny. Nampiasaina eto io mba hisarihana ny sain'ny mpihaino ny amin'izay lazaina manaraka eo. DH: "Henoy"
Ireo tohatra ireo dia tondroina tahaka izany satria namboarina tamin'ny naha-mpanjaka an'i Ahaza ireo. Afaka ataonao mazava io fampahalalana io.
"izay mialohan'ny fahanterako." Io dia manondro ny fahafatesana eo amin'ny fotoana antenantenany, alohan'ny fahanterana.
Io dia miresaka ny fahafatesana toy ny hoe fanjakana izay misy vavahady idiran'ny olona ny fiainan-tsy hita. DH: "Ho faty aho ary ho any amin'ny fiainan-tsy hita"
DH: "mialohan'ny iainako ny taonako rehetra dia ho any am-pasana aho"
DH: "any amin'ny tanin'ny olona velona" na "any amin'ny tontolo izay misy olona velona" (UDB)
Mbola manohy ny vavaka nosoratany ihany Hezekia.
Io dia miresaka ny fomba hanaperanan'i Yaveh faingana ny fiainan'i Hezekia amin'ny fampitahana izany amin'ny fomba hanesoran'ny mpiandry ondry ny lainy amin'ny tany. DH: "Nanala ny aiko faingana tahaka ny mpiandry ondry manorona ny lainy sy mitondra izany Yaveh"
DH: "Nanala ny aiko Yaveh"
Io dia miresaka ny fomba hanaperanan'i Yaveh faingana ny fiainan'i Hezekia amin'ny fampitahana izany amin'ny fomba izay hanapahan'ny mpanenona ny lambany amin'ny fitaovana fanenomana sy amin'ny fanoronana izany. DH: "nanapitra ny aiko faingana Ianao, tahaka ny mpanenona manety ny lambany amin'ny fitaovana fanenomana rehefa vita izany"
Eto ny hoe "Ianao" dia manondro an'Andriamanitra.
fitaovana nampiasaina mba hanenomana kofehy mba hanamboarana akanjo
Miresaka ny haben'ny fahoriany amin'ny fampitahana izany amin'ny vatany norotidrotehan'ny liona Hezekia. DH: "ny fahoriako dia tahaka ny hoe norotidrotehan'ny liona aho" (UDB)
Mbola manohy ny vavaka nosoratany ihany Hezekia.
Ireo fehezanteny ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa tena nitomany mafy tamin'alahelo sy fahatorotoroana Hezekia. Ny sidintsidina sy voromailala dia karazam-borona. DH: "Torotoro tokoa ny tomaniko--toy ny koraraikan'ny sidintsidina sy tolokon'ny voromailala ireo"
Eto dia manondro ny tenany amin'ny "masony" Hezekia mba hanindriana fa nitady zavatra izy. DH: "Izaho"
Io dia manondro an'i Hezekia mijery any amin'ny lanitra mba hangataka an'Andriamanitra mba hamonjy azy. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "miandry vonjy ho tonga avy any an-danitra" na "miandry Anao mba hamonjy ahy"
DH: "Mampahory ahy ny alahelo"
Mampiasa io fanontaniana io Hezekia mba hanindriana fa tsy misy holazaina intsony izy. Afaka soratana amin'ny fehezanteny izany. DH: "Tsy misy ho ambara intsony aho."
Io dia fomba fiteny. Eto ny hoe "hamindra" dia manondro ny fiainana. DH: "Ho tahaka ny manetry tena aho" (UDB)
Io dia manondro ny sisa hiainany. Ny hevitr'izany dia afaka atao mazava. DH: "ny fiainako sisa"
"satria vonton'alahelo aho" na "satria tena nalahelo aho"
Mbola manohy ny vavaka nosoratany ihany Hezekia.
DH: "enga anie mba hamerina amiko ny aiko Ianao"
Tsy maty Hezekia fa efa ho faty. Io dia manondro an'i Yaveh manavotra azy tsy ho faty. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "tsy ho faty ary tsy handeha ho any amin'ny lavaky ny faharavana aho" na "mba tsy ho faty aho"
Miresaka an'i Yaveh mamela ny helony Hezekia toy ny hoe zavatra izay arian'i Yaveh any aoriany sy hadinoiny ireo. DH: "fa efa namela ny otako rehetra Ianao ary tsy mihevitra ny momba ireny intsony"
Mbola manohy ny vavaka nosoratany ihany Hezekia.
Eto ny hoe "fiainan-tsy hita" sy "fahafatesana" dia manondro ny "olona maty". DH: "Fa tsy misaotra Anao ireo izay any amin'ny fiainan-tsy hita; tsy midera Anao ny olona maty"
"ireo izay mankany am-pasana"
"tsy manana fanantenana amin'ny fahamendreham-pitokisanao". Eto ny hoe "-nao" dia manondro an'i Yaveh.
Mamerina io andianteny io Hezekia mba hanindriana fa ny olona velona ihany, fa tsy ny olona maty, no afaka manome fisaorana an'i Yaveh.
Mbola manohy ny vavaka nosoratany ihany Hezekia.
Io dia manondro azy izay novonjena mba tsy ho faty. Afaka atao mazava kokoa izany. DH: "namonjy ahy mba tsy ho faty"
Eto ny hoe "izahay" dia manondro an'i Hezekia sy ny vahoakan'i Joda.
Io teny io eto dia nampiasaina mba hanamarika fihatoana ao amin'ny fizotry ny tantara. Ity dia manome fampahalalana fototra momba an'Isaia sy Hezekia.
"Aoka ireo mpanompon'i Hezekia"
Io dia nampiasaina mba hatao osotra. Ny hevitr'izany dia afaka atao mazava. DH: "mampiasa osotra dia ny aviavy nopotsehina izany"
faritra tena manaintaina eo amin'ny hoditra izay misy otrikaretina
1 Tamin'izany andro izany Merodaka-baladana zanaka lahin'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, dia nandefa taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; satria reny fa narary i Hezekia ary sitrana. 2 Faly tamin'ireo zavatra ireo i Hezekia; nasehony an'ireo mpitondra hafatra ny trano fitahirizany zavatra sarobidy—ny volafotsy, ny volamena, ireo zava-manitra ary menaka tsara, ny trano fitahirizany an'ireo fitaovam-piadiany, sy izay rehetra hita tao amin'ireo trano fitahirizany. Tsy nisy zavatra tao an-tranony, na tao amin'ny fanjakany rehetra, ka tsy nasehon'i Hezekia azy ireo. 3 Avy eo Isaia mpaminany tonga tany amin'i Hezekia mpanjaka ary nanontany azy hoe: "Inona no lazain'ireo olona ireo aminao? Avy aiza izy ireo?" Hoy Hezekia hoe: "Tonga eto amiko avy any amin'ny firenena lavitr'i Babylona izy ireo." 4 Dia nanontany Isaia hoe: "Inona no hitan'izy ireo tao an-tranonao?" Namaly Hezekia hoe: "Hitan'izy ireo avokoa ny zavatra rehetra tao an-tranoko. Tsy nisy zavatra tamin'ireo zavatro sarobidy ka tsy nasehoko azy ireo." 5 Dia hoy Isaia tamin'i Hezekia hoe: "Henoy ny tenin'i Yaveh tompon'ny maro: 6 'Indro, tonga ny andro izay hitondrana ny zavatra rehetra ao amin'ny lapanao, ireo zavatra izay notahirizin'ireo razambenao mandrak'ankehitriny ho any Babylona. Tsy hisy ho tavela, hoy Yaveh. 7 Ireo zanaka lahy naterakao, izay efa notaizainao—ho alainy izy ireo, ary ho lasa tandapa ao amin'ilay lapan'ny mpanjakan'i Babylona izy ireo.'" 8 Avy eo Hezekia niteny tamin'Isaia hoe: "Tsara ny tenin'i Yaveh izay efa noresahinao." Fa nihevitra izy hoe: "Hisy fiadanana sy fahamarinan-toerana amin'ny androko."
Ireo dia anaran-dehilahy.
Afaka atao mazava kokoa izany. DH: "Rehefa tonga ireo iraky ny mpanjaka, dia nankasitraka izay nentin'izy ireo ho azy Hezekia"
"nasehony tamin'ireo mpitondra hafatra ny zavatra sarobidy rehetra izay nananany"
trano izay itehirizana ireo harena
DH: "ny zavatra rehetra izay tao amin'ny trano fitehirizany"
Io dia itatra kely toy ny hoe naneho azy ireo zavatra maro Hezekia, fa tsy ny zavatra rehetra akory. DH: "Naneho azy ireo saika ho ny zavatra rehetra tao an-trano sy tao amin'ny fanjakany Hezekia"
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary nampiasaina miaraka mba hanindriana hoe toy ny ahoana ny habetsahan'izay nasehoan'i Hezekia an'ireo lehilahy.
Io dia itatra kely toy ny hoe naneho azy ireo zavatra maro Hezekia, fa tsy ny zavatra rehetra akory. DH: "saika ny zavatra rehetra tao an-tranoko"
DH: "Nasehoko azy ireo avokoa ny zavatra sarobidy rehetra tao an-dapako"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 ihany io andianteny io.
"ny hafatra"
Io teny io eto dia nampiasaina mba atao fomba fiteny mba hisarihana ny sain'i Hezekia ny amin'izay lazaina manaraka eo. DH: "Henoy"
DH: "rehefa haka ny zavatra rehetra ao an-dapanao ny tafika fahavalo...ho any Babylona"
Mbola manohy miteny ny hafatr'i Yaveh amin'i Hezekia ihany Isaia.
"ireo zanakao lahy"
"ho alain'ireo Babyloniana izy ireo"
1 "Hampaherezo, hampaherezo ny vahoakako," hoy ny Andriamanitrareo. 2 "Miresaha mora amin'i Jerosalema; ary hambarao aminy fa efa nitsahatra ny adiny, fa voavela ny helony, fa efa nandray avo roa heny teny an-tanan'i Yaveh izy tamin'ny fahotany rehetra." 3 Nisy feo niantso mafy hoe: "Omano ny lalan'i Yaveh any an'efitra; manaova lalam-be mahitsy any amin'ny tany foana ho an'ny Andriamanintsika." [1]4 Ny lohasaha rehetra dia hasandratra, ary ny tendrombohitra sy havoana rehetra dia hankarina; ary ny tany mideza ho lembalemba, ary ireo tany saro-dalana ho tonga lemaka; 5 ary ny voninahitr'i Yaveh dia ho ampahafantarina, ary ny vahoaka rehetra hiaraka hahita izany; fa ny vavan'i Yaveh no niteny izany. 6 Nisy feo nanao hoe: "Antsoy." Nisy iray namaly hoe: "Inona no antso tokony ataoko?" "Ny nofo rehetra dia ahitra, ary ny fifaneken'izy ireo dia toy ny voninkazo eny an-tsaha. 7 Maina ny ahitra ary malazo ny voninkazo rehefa mitsoka eo amin'izany ny fofon'ain'Andriamanitra; azo antoka fa ahitra ny olombelona. 8 Maina ny ahitra, malazo ny voninkazo, fa ny tenin'ny Andriamanintsika dia haharitra mandrakizay." 9 Miakara eny amin'ny tendrombohitra avo, ry Ziona, mpitondra vaovao mahafaly. [2] Manandrata feo mafy, ry Jerosalema. Ianao izay mitondra ireo vaovao mahafaly, asandrato ny feonao, aza matahotra. [3] Lazao amin'ireo tanànan'i Joda hoe: "Io no Andriamanintrareo!" 10 Indro, ny Tompo Yaveh tonga toy ny lehilahy mpiady nivoaka mpandresy, ary ny sandriny mahery no hanapaka ho azy. Indro, ny valisoany miaraka aminy, ary ireo izay navotany dia mandeha eo anoloany. 11 Hamahana ny ondry aman'osiny toy ny mpiandry ondry Izy, hanangona ireo ondry eo an-tsandriny Izy, ka hilanja ireo ao am-pony, ary hitarika amin-katsaram-panahy ireo ondry vavy mampinono ireo zanany. 12 Iza no nandrefy ny rano teo am-pelantanany, nandrefy ny lanitra tamin'ny zehin'ny tanany, nihazona ny vovon-tany tanaty harona, nandanja ny tendrombohitra tamin'ireo fandanjana, na ireo havoana tamin'ny mozana? 13 Iza no efa nahatakatra ny eritreritr'i Yaveh, na nanoro lalana Azy toy ny mpanolotsainy? 14 Avy amin'iza no efa nandraisany toro-lalana? Iza no nampianatra Azy ny fomba fanaovana zavatra amin'ny tokony ho izy, ary nampianatra Azy fahalalana, na nampiseho Azy ny fomba fahatakarana? 15 Indro, ireo firenena dia toy ny rano indray mitete anaty siny, ary noraisina toy ny vovoka eo ambonin'ny fandanjana; indro, lanjainy toy teboka bitika ireo nosy. 16 Libanona dia tsy ampy ho dorana, na ireo bibidiany tsy ampy atao fanatitra dorana. 17 Ny firenena rehetra dia tsy feno eo anatrehany; ireo dia noraisiny toy ny tsy misy. 18 Amin'iza izany no hampitahainareo amin'Andriamanitra? 19 Sampy! namolavola izany ny mpanao asa-tanana: ny mpanefy volamena dia nanao takela-bolamena sy nanefy rojo volafotsy ho an'izany. 20 Mba hanaovana fanatitra dia misy iray mifidy hazo tsy mety lo; mitady mpanao asa-tanana mahay izy mba hanao sampy izay tsy mety mirodana. 21 Tsy fantatrareo ve? Tsy mbola henonareo ve? Tsy efa nolazaina taminareo tany am-piandohana ve izany? Tsy efa takatrareo ve izany tamin'ny fanorenana ny tany? 22 Izy ilay tokana mipetraka ambonin'ny habakabaky ny tany; ary ny mponina dia toy ny valala eo anatrehany. Nandrovitra ny lanitra toy ny lamba Izy ary nanaparitaka ireo toy ny lay hipetrahana. 23 Nampihena ireo mpanapaka toy ny tsy misy Izy ary nanao ireo mpanapaky ny tany ho tsy misy dikany. 24 Vao novolena izy ireo, vao nafafy, ny sampan'ireo dia vao namaka tamin'ny tany, rehefa nitsoka teo amin'izy ireo Izy ka nalazo ireo, ary nentin'ny rivotra toy mololo izy ireo. 25 Amin'iza izany no hampitahainao Amiko, iza no mitovy Amiko?" hoy Ilay Masina. 26 Jereo ny lanitra! Iza no namorona ireo kintana rehetra ireo? Mamoaka azy ireo amin'ny filaharany Izy ary miantso azy rehetra amin'ny anarany. Tamin'ny halehiben'ny heriny sy tamin'ny tanjaky ny fahefany, dia tsy nisy iray tsy nipoitra. 27 Nahoana ianao, ry Jakoba, no niteny sy nanambara tamin'Israely hoe: "Ny lalako dia miafina amin'i Yaveh, ary ny Andriamanitro dia tsy voakasiky ny fahamarinako?" 28 Tsy fantatrareo ve? Tsy renareo ve? Ilay Andriamanitra maharitra mandrakizay, Yaveh, ilay namorona ireo vazan-tany, dia tsy vizana na reraka; tsy misy fetrany ny fahalalany. 29 Manome hery ny reraka Izy; ary manome hery vao ho an'izay marary. 30 Na ny tanora aza dia ho lasa vizana sy reraka, ary ireo zatovo dia ho tafintohina ka hianjera: 31 Fa ireo izay miandry an'i Yaveh dia hanavao ny herin'izy ireo; hanidina amin'ny elatra toy ny voromahery izy ireo; hiazakazaka izy ireo ka tsy ho reraka; handeha izy ireo ary tsy ho torana.
Ny teny hoe "hampaherezo" dia naverina mba hanindriana.
Eto ny hoe "-nareo" dia manondro ireo izay nolazain'ny mpaminany mba hankaherezin'ny vahoakan'Andriamanitra.
Miresaka an'i Jerosalema toy ny hoe vehivavy izay navelan'i Yaveh heloka ny mpaminany. Tahaka ity, dia manambara ny vahoaka izay monina ao amin'izany tanàna izany i Jerosalema. DH: "Miresaha mora amin'ny vahoakan'i Jerosalema"
Ny mpisolotena dia manondro an'i Jerosalema fa mety miova raha atao dikanteny ny "vahoakan'i Jerosalema". DH: "ambarao amin'izy ireo...ny adin'izy ireo...ny helok'izy ireo...nandray...ny fahotan'izy ireo...izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia ny teny hoe "ady" dia manondro 1) ny adin'ny miaramila na 2) ny asa an-terivozona.
DH: "Namela ny helony Yaveh"
Eto ny teny hoe "tanana" dia manambara an'i Yaveh mihitsy. DH: "avy amin'i Yaveh"
Ny teny hoe "feo" dia manambara ny olona izay miantso mafy. DH: "Misy olona miantso mafy"
Ireo andalana roa ireo dia mifanindran-dalana ary midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny olona manomana ny tenan'izy ireo amin'ny fandraisana ny vonjin'i Yaveh dia resahina toy ny hoe tokony hanomana ireo lalana mba handehanan'i Yaveh izy ireo.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 35:1 io.
Ireo andianteny ireo dia manazava ny fomba hanomanan'ny olona ny lalana ho an'i Yaveh. DH: "Manandratra ny lohasaha rehetra, ary manarina ny tendrombohitra sy havoana rehetra"
Ny fanaovana ny lohasaha ho marina hitovy amin'ny tany dia resahina toy ny hoe nanandratra ny lohasaha izany. DH: "Ho feno ny lohasaha rehetra"
DH: "Hanambara ny voninahiny Yaveh"
Ny teny hoe "vava'' dia manambara an'i Yaveh mihitsy. DH: "fa Yaveh no efa niteny izany"
Ny teny hoe "nofo" dia manondro ny olona. Miresaka ny olombelona toy ny hoe ahitra ny olona miteny, satria samy ho faty faingana avokoa ireo. DH: "Tahaka ny ahitra avokoa ny olona rehetra"
Mampitaha ny fanekena mahatoky izay an'ny olona amin'ny voninkazo izay mamony ary avy eo dia maty faingana ny olona miteny. DH: "tapitra vetivety monja, tahaka ny voninkazo any an-tsaha izay maty faingana ny fanekena mahatokin'izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) fanekena mahatoky na 2) hatsarana. Jereo ny nandikanao ny hoe "fanekena mahatoky" ao amin'ny 16:5.
Ireo mety ho heviny dia 1) "rehefa mitsoka izany amin'ny fofon'ainy Yaveh" na 2) "rehefa mandefa ny rivotra mba hitsoka izany Yaveh."
Miresaka ny olombelona toy ny hoe ahitra ny olona miteny, satria samy ho faty faingana avokoa ireo. DH: "maty faingana tahaka ny ahitra ny olona"
Miresaka izay lazain'Andriamanitra izay maharitra mandrakizay toy ny hoe hitoetra mandrakizay ny teniny ny olona miteny. DH: "ireo zavatra izay lazain'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay"
Miresaka an'i Ziona toy ny hoe mpitondra hafatra izay manambara vaovao mahafaly eny an-tampon-tendrombohitra ny mpanoratra.
Matetika ireo mpitondra hafatra dia mijoro eny amin'ny tany avo, tahaka ny tendrombohitra, mba ahafahan'ny olona maro mandre izay lazainy.
Io dia manondro ny olona izay mipetraka ao Ziona. DH: "ianareo ry vahoakan'i Ziona"
Miresaka an'i Jerosalema toy ny hoe mpitondra hafatra izay manambara vaovao mahafaly ny mpanoratra.
Eto ny teny hoe "sandry" dia manambara ny herin'Andriamanitra. DH: "ary manapaka amin'ny heriny lehibe Izy"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny olona izay novonjeny no "valisoany". DH: "mitondra ireo izay novonjeny niaraka taminy ho toy ny valisoany Izy"
Ny mpanoratra dia miresaka ny vahoakan'i Yaveh toy ny hoe ondry ary Yaveh ho toy ny mpiandry azy ireo. DH: "Hikarakara ny vahoakany tahaka ny mpiandry ondry mamahana ny ondriny Izy"
Ireo fanontaniana ireo dia miandry valiny ratsy ary manindry fa Yaveh irery ihany no afaka manao ireo zavatra ireo. DH: "Tsy misy olona afa-tsy Yaveh no nandrefy...ary ireo havoana tamin'ny mizana."
Ny fahafantarana ny habetsaky ny rano ao amin'ny ranomasimbe dia resahina toy ny hoe nihazona ny rano teo an-tanany Yaveh.
Ny "zehy'' dia fandrefesana halava amin'ny ankihibe sy ny ankihy kely rehefa henjanina ny tanana. Ny fahafantaran'i Yaveh ny halavan'ny lanitra dia resahina toy ny hoe nandrefy izany tamin'ny tanany Izy.
Ny fahafantaran'i Yaveh ny habetsaky ny vovoka teto an-tany dia resahina toy ny hoe nitondra izany tao anaty harona Izy.
Ny fahafantaran'i Yaveh ny havesatry ny tendrombohitra dia resahina toy ny hoe nandanja ireo teo amin'ny fandanjana sy mizana Izy.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo mba hanindriana ny mahatokana an'i Yaveh i Isaia.
Ireo fanontaniana ireo dia miandry valiny ratsy ary manindry fa Yaveh irery ihany no afaka manao ireo zavatra ireo. DH: "Tsy misy olona nahatakatra ny eritreritr'i Yaveh, ary tsy misy olona nanoro lalana Azy toy ny mpanolotsainy.
Eto ny teny hoe "eritreritra" dia tsy manondro ny eritreritr'i Yaveh ihany, fa ireo faniriany sy fahazotoany ihany koa.
Ireo fanontaniana ireo dia miandry valiny ratsy ary manindry fa tsy misy olona mbola nahavita izany. DH: "Tsy mbola nandray toro-lalana avy amin'olona Izy."
Ireo fanontaniana ireo dia miandry valiny ratsy ary manindry fa tsy misy olona mbola nahavita izany. DH: "Tsy misy olona nampianatra Azy ny tena fomba hanaovana ireo zavatra ireo. Tsy misy olona naneho Azy ny fomba hahatakarana."
Ireo teny ireo dia manindry izay manaraka eo.
Mampitaha ireo firenena amin'ny rano mitete sy amin'ny vovoka ny mpanoratra mba hanindriana ny hakely sy ny tsy fisian-dikan'izy ireo amin'i Yaveh.
Ireo mety ho heviny dia 1) rano mitete izay latsaka ao anaty siny na 2) rano mitete izay mivoaka avy ao anaty siny.
DH: "ary noraisin'i Yaveh ho tahaka ny vovoka eo amin'ny mizana izy ireo"
DH: "noraisiny toy ny tsinontsinona ireo"
Mampiasa ireo fanontaniana roa mitovy ireo Isaia mba hanindriana fa tsy misy sampy izay azo ampitahaina amin'Andriamanitra. DH: "Tsy misy azo ampitahaina amin'Andriamanitra. Tsy misy sampy izay azo ampitahaina Aminy."
Io dia manondro ny vahoakan'Andriamanitra rehetra.
"Ny mpiasa mahay mamolavola izany, ny hafa mandrakotra izany amin'ny volamena, ary manao rojo volafotsy ho an'izany"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Andriamanitra Yaveh.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo Isaia mba hanindriana fa tokony hahafantatra ny halebiazan'i Yaveh amin'ny maha-mpamorona Azy ny vahoaka. DH: "Fantatrao tokoa ary renareo tokoa! Efa nolazaina taminareo hatrany am-boalohany; efa takatrareo hatramin'ny fiorenan'ny tany!''
DH: "Tsy mbola nisy olona nilaza taminareo hatrany am-piandohana ve?"
Miresaka an'i Yaveh mamorona ny tany ny mpaminany toy ny hoe trano izay naorin'i Yaveh ny fotony. DH: "hatramin'ny fotoana izay namoronan'i Yaveh ny tany"
Yaveh manapaka ny tany dia resahin'ny mpaminany toy ny hoe nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana eo ambonin'ny tany Yaveh.
Mampitaha ny fomba handraisan'i Yaveh ny olombelona amin'ny fomba handraisan'ny olombelona ireo valala ny mpaminany. Tahaka ny hakelin'ny valala amin'ny olombelona, no maha-kely sy maha-malemy ny olombelona eo anatrehan'Andriamanitra.
Ireo andalana roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Ny famoronan'i Yaveh ny lanitra dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nanenjana ny lay izay hitoerany Izy. DH: "Namelatra ny lanitra mora foana toy ny olona izay mamelatra ny lamba na manenjana ny lay izay hitoerana Izy"
"Mampihena...Yaveh"
Ireo mpanapaka malemy eo anatrehan'i Yaveh dia resahin'ny mpaminany toy ny hoe zava-maniry vaovao izay malazo rehefa misy rivotra mitsoka izany.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manondro ny toerana izay ametrahana ireo zava-maniry sy ireo voa amin'ny tany. DH: "vantany vao misy olona mamboly ireo...vantany vao misy olona mamafy ireo"
Ny fanalan'i Yaveh ireo mpanapaka amin'ny fahefana dia resahin'ny mpaminany toy ny hoe misy rivotra mahamay izay mitsoka ireo zava-maniry ka mahatonga izany halazo.
Io fampitahana io dia manitatra ny sarinteny ilazana ireo mpanapaka ho toy ny zava-maniry ary Yaveh ho toy ny rivotra izay mahatonga ireny halazo. Ny rivotry ny fitsaran'i Yaveh dia hanala ireo zava-maniry malazo toy ny hoe tsofin'ny rivotra mora foana ny mololo.
Mampiasa ireo fanontaniana fampisainana mitovy ireo Yaveh mba hanindriana fa tsy misy olona tahaka Azy. DH: "Tsy misy olona izay azo ampitahaina Amiko. Tsy misy olona izay mitovy Amiko."
Io dia fanontaniana izay miandry valiny. DH: "Namorona ireo kintana rehetra ireo Yaveh!"
Eto ny teny hoe "antokony" dia manondro ny antoko miaramila. Resahin'ny mpaminany toy ny hoe miaramila izay nobaikon'i Yaveh mba hipoitra ireo kintana.
Ny andianteny hoe "ny halehiben'ny heriny" sy "sy ny tanjaky ny fahefany" dia mamorona poa-droa izay manindry ny herin'i Yaveh. DH: "Tamin'ny halehiben'ny hery sy ny tanjaka mahery"
DH: "teo avokoa izy rehetra"
Ny fanontaniana dia manindry fa tsy tokony milaza izay lazainy izy ireo. DH: "Tsy tokony milaza ianareo, ry vahoakan'Israely...fanamarinana ahy."
Ireo andianteny roa ireo dia samy manondro ny vahoakan'Israely. DH: "Nahoana ianareo no milaza, ry vahoakan'Israely"
Ny tsy fahafantaran'i Yaveh izay hahazo azy ireo dia resahina toy ny hoe tsy afaka mahita ny lalana izay andehanan'izy ireo Yaveh. DH: "Tsy fantatr'i Yaveh izay hahazo ahy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "tsy miraharaha ireo hafa izay mampijaly ahy ny Andriamanitro" na 2) "tsy miraharaha ny fampijaliana ahy ny Andriamanitro."
Mampiasa ireo fanontaniana ireo Isaia mba hanindriana fa tokony hahalala ny haben'i Yaveh ny olona. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 40:21. DH: "Fantatrareo sy renareo tokoa!"
Ireo toerana eto an-tany izay tena lavitra dia resahina toy ny hoe toerana izay iafaran'ny tany ireo. Miendrika fampisainana sy manondro ny toerana rehetra amin'ny faran'ny tany io andianteny io. DH: "ireo toerana lavitra indrindra eto an-tany" na "ny tany manontolo''
Ireo andalana ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa mampahery ireo izay tsy manana hery Yaveh.
"Manome hery ny reraka Yaveh"
Ny fandraisan'ny vahoaka hery avy amin'i Yaveh dia resahina toy ny hoe afaka manidina tahaka ny fanidin'ny voromahery ny vahoaka. Ny voromahery dia biby izay ampiasaina matetika mba atao mariky ny hery sy fahefana.
Ireo andalana ireo dia midika zavatra iray ihany. Ny fandraisan'ny vahoaka hery avy amin'i Yaveh dia resahina toy ny hoe afaka mihazakazaka sy mandeha nefa tsy reraka izy ireo.
1 "Mihainoa am-pahanginana manoloana Ahy, ianareo moron-tsiraka; aoka hanavao ny heriny ireo firenena; aoka izy ireo hanatona akaiky ary hiteny; aoka isika hiaraka hanakaiky mba hifandahatra sy hiady hevitra. 2 Iza no nanentana ny iray avy any atsinanana, niantso azy am-pahamarinana ho amin'ny fanompoany? Manolotra ny firenena ho azy Izy ary manampy azy handresy ireo mpanjaka. Mamadika azy ireo ho vovoka amin'ny sabany izy, tahaka ny mololo tsofin'ny rivotra amin'ny tsipíkany. 3 Manenjika azy ireo izy ka tafita soa aman-tsara, tamin'ny lalana tsara izay tsy nodiavin'ny tongony. 4 Iza no nanao sy nahavita ireo asa ireo? Iza no nampiantso ireo taranaka hatrany am-piandohana? Izaho, Yaveh, no voalohany, ary miaraka amin'ireo farany, Izaho no Izy. 5 Nahita ireo nosy ka natahotra; miovitrovitra ny faran'ny tany; nanatona izy ireo ka tonga. 6 Samy manampy ny namany ny olon-drehetra, ary ny olona rehetra nifampiresaka hoe: 'Mahereza.' 7 Koa dia mampahery ireo mpanefy volamena ny mpandrafitra, ary izay miasa amin'ny tantanana mampahery izay miasa amin'ny riandriana, milazan'ny solohoto hoe: 'tsara izany.' Nofehezin'izy ireo tamin'ny fantsika izany mba tsy hihozongozona. 8 Fa ianao, ry Israely, mpanompoko, ry Jakoba izay efa nofidiako, taranak'i Abrahama namako, 9 ianao izay haveriko avy amin'ny fiafaran'ny tany, ary izay nantsoiko avy tamin'ireo toerana lavitra, ary izay nolazaiko hoe: 'Mpanompoko ianao;' Efa nifidy anao Aho ary tsy nolaviko ianao. 10 Aza matahotra, fa momba anao Aho. Aza mitebiteby, fa Izaho no Andriamanitrao. Hampatanjahako ianao, ary hanampy anao Aho, ary hanohana anao amin'ny tanako ankavana marina Aho. 11 Indro, ho menatra sy ho afa-baraka, ireo rehetra izay tezitra taminao; ho toy ny tsy misy dikany izy ireo ary ho faty, ireo rehetra izay manohitra anao. 12 Hitady ianao nefa tsy hahita ireo izay nifandahatra taminao; ireo izay niady taminao dia ho toy ny tsy misy dikany, tena tsy misy dikany. 13 Fa Izaho, Yaveh Andriamanitrao, no hiazona ny tananao ankavanana, milaza aminao hoe: 'Aza matahotra; fa hanampy anao Aho.' 14 Aza matahotra, ianao ry Jakoba kankana, ary ianareo olon'ny Israely; fa hanampy anareo aho—izany no fanambaran'i Yaveh, mpanavotra anareo, ilay Iray Masin'Israely. 15 Indro, ataoko ho toy ny kodia vy maranitra ianao, vao sady roa-lela; hamely ireo tendrombohitra ianao ary hanorotoro ireo; hataonao ho toy ny akofa ireo havoana. 16 Hikororoka azy ireo ianao, ary ny rivotra hitondra azy ireo hiala; hanaparitaka azy ireo ny rivotra. hiravoravo amin'i Yaveh ianao, hiravoravo amin'ny ilay Iray Masin'Isarely. 17 Mitady rano ireo ory sy mahantra, kanefa tsy misy, ary ny lelan'izy ireo dia ho maina nohon'ny hetaheta; Izaho, Yaveh, no hamaly ny vavak'izy ireo; Izaho, Ilay Andriamanitr'Israely, dia tsy hahafoy azy ireo. 18 Hahatonga ny renirano hikoriana amin'ny hantsana Aho, ary loharano eo afovoan'ny lohasaha; hataoko dobon-drano ny tany hay, ary ny tany maina ho loharano. 19 Any amin'ny tany efitra no hametrahako ireo sedera, akasia, rotra, ary ny hazon'Oliva. Hametraka ny kypreso eny amin'ny lemaky ny tany hay, miaraka amin'ireo kesika sy ireo hazo kypreso Aho. 20 Hanao izany Aho mba hahita, hanaiky, ary hiara-hahatakatra ny olona, fa ny tanan'i Yaveh no nanao izany, ary ilay Iray Masin'Israely no namorona izany. 21 "lazao ny mahakasika anao," hoy i Yaveh, "asehoy ny hevitrao tsara indrindra ho an'ireo sampinao," hoy ny Mpanjaka an'i Jakoba. 22 Aoka izy ireo hitondra ny hevitr'izy ireo manokana; asaivo mandroso izy ireo ary ambarao aminay izay hiseho, mba hahafantaranay tsara ireo zavatra ireo. Asaivo ambaran'izy ireo aminay ireo fanambarana voavina mialoha, mba hahafahanay manao azy ireo ho fitaratra sy hahafantaranay ny fomba nahatanterahan'ireny 23 Lazao ireo zavatra momba ny ho avy, mba hahafantaranay fa andriamanitra ianareo; manaova zavatra tsara na ratsy, mba hahatahotra sy hiaky volana izahay. 24 Indro, tsy misy dikany ianareo sampy ary ny asanareo dia tsy misy dikany; ilay iray izay nifidy anareo dia maharikoriko. 25 Efa nanangana iray avy any avaratra Aho, ary tonga izy; avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro no hiantsoako izay miantso ny anarako, ary hanitsaka ireo mpanapaka toy ny fotaka izy, toy ny mpanefy tanimanga manitsakitsaka ny tanimanga. 26 Iza no nanambara izany hatrany am-piandohana, mba hahafantaranay? Alohan'izany fotoana izany, mba hilazanay hoe: "Marina izy"? Eny tokoa, tsy nisy nanao izany ho lalàna izy ireo, eny, tsy nisy naheno anareo nilaza zavatra. 27 Hoy Aho tamin'i Ziona tamin'ny voalohany: 'Indro indreto izy ireo;" nandefa mpitondra hafatra tany Jerosalema Aho. 28 Rehefa mijery aho, dia tsy misy na iza na iza, na ny iray eo amin'izy ireo izay afaka manome toro-hevitra tsara, izay, afaka hamaly teny, rehefa manontany Aho. 29 Indro, tsy misy dikany izy rehetra, ary ny asan'izy ireo dia tsy misy dikany; rivotra sy zava-poana ny sary an'idin'izy ireo.
Eto ny hoe "Ahy" dia manondro an'Andriamanitra.
Io dia manondro ny olona izay mipetraka ao amin'ireo nosy sy ao amin'ireo tany amorona na ampitan'ny Ranomasina Mediteraneana.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 40:29 ihany io andianteny io.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny faharoa dia manazava ny anton'ilay voalohany. DH: "koa andeha isika hanakaiky mba ahafahan'izy ireo miresaka sy mifandresy lahatra amiko"
Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanindriana fa Izy no Ilay izay nahatonga ny mpanapak'izany izay avy any atsinanana ho mpandresy. DH: "Izaho no Ilay izay niantso izany mpanapaka mahery izay avy any atsinanana izany ary nametraka azy ho amin'ny asa fanompoako izay tsara."
"Omeko azy ireo firenena" na "Ilay Iray izay manao ireo zavatra ireo no manolotra ny firenena ho azy"
Ireo firenena izay ho azon'ilay avy any atsinanana dia ampitahaina amin'ny vovoka sy mololo, satria samy hanjary ho tena kely tahaka ireo zavatra ireo izy ireo ary satria hanely azy ireo mora foana ny sandriny.
Mbola manohy miresaka amin'ireo tany moron-tsiraka sy ireo firenena Yaveh.
"Manenjika ireo firenena ny mpanapaka avy any atsinanana"
Ireo mety ho heviny dia 1) io dia sarinteny izay ny fihetsehany sy ny tafiny faingana dia faingana dia resahina toy ny hoe tsy nikasi-tany ny tongony. DH: "tamin'ny lalana izay nihetsehany amin'ny hafainganana loatra" na 2) ny "tongotra" dia fibangoanteny ary ny andianteny dia manondro fa lalana izay tsy mbola nodiavin'izy ireo tany aloha izany. DH: "tamin'ny lalana izay tsy mbola nodiavina tany aloha"
Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanindriana fa Izy no Ilay Iray izay nanao ireo zavatra ireo. DH: "Nanao sy nanatanteraka ireo asa ireo Aho."
Eto ny teny hoe "taranaka" dia manambara ny tantaran'ny olombelona rehetra, izay naharian'i Yaveh sy notarihina tao amin'ny tantara rehetra. Mila valiny io fanontaniana io. DH: "Efa nampiantso ireo taranak'olombelona hatramin'ny fiandohana Aho."
Ireo teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa Yaveh no Ilay izay nanao ireo zavatra ireo.
Ireo mety ho heviny dia 1) fa efa nisy talohan'ny fahariana ary hisy amin'ny faran'ny fahariana Yaveh na 2) fa efa talohan'ny taranak'olombelona voalohany ary ho any amin'ny taranak'olombelona farany Yaveh.
Mbola manohy miteny Yaveh.
Ireo andianteny ireo dia manambara ny olona izay mipetraka ao amin'ireo toerana ireo. DH: "Ny olona izay monina ao amin'ireo nosy...ny olona izay monina any amin'ny faran'ny tany"
Afaka adikanao tahaka ny nandikanao ny "morontsiraka" tao amin'ny 41:1 ny hoe "nosy".
Ireo toerana eto an-tany izay tena lavitra dia resahina toy ny hoe toerana izay iafaran'ny tany. DH: "ireo toerana lavitra indrindra eto an-tany"
Io poa-droa io dia midika fa niara-niangona ny olona. DH: "niaraka tonga izy ireo"
vongam-by izay ataon'ny olona hiendrika vy amin'ny tantanana.
Eto ny teny hoe "solohoto" dia manondro ny dingan'ny fanefena volamena izay atao amin'ny hazo rehefa nahavita sampy ireo mpiasa.
Eto ny hoe "izany" dia manondro ny sampy izay nataon'izy ireo.
Mbola manohy miteny Yaveh.
Ireo andalana ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa mampiverina ny vahoakan'Israely any amin'ny tanin'izy ireo avy any amin'ireo tanàna lavitra Yaveh.
Ireo toerana eto an-tany izay tena lavitra dia resahina toy ny hoe toerana izay iafaran'ny tany. Adikao tahaka ny nandikanao izany tao amin'ny 41:5 izany. DH: "ireo toerana lavitra indrindra eto an-tany"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny.
Manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ny fankaherezan'i Yaveh ny vahoakany dia resahina toy ny hoe nanohana azy ireo tamin'ny tanany Izy.
Eto ny hoe "tanana ankavia" dia manambara ny herin'i Yaveh. Ireo mety ho heviny dia 1) marina ny tanana havanan'i Yaveh izay hanaovany ny zavatra marina. DH: "ny heriko marina" na 2) mpandresy ny tanana havanan'i Yaveh izay hahombiazany amin'izay ataony. DH: "ny heriko mpandresy"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
"ny rehetra izay tezitra aminao dia ho menatra sy ho afa-baraka"
Ireo teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry ny haben'ny henatr'izy ireo.
"ireo izay manohitra anao dia ho toy ny tsinontsinona ary ho faty"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ny fanampian'i Yaveh ny vahoakan'Israely dia resahina toy ny hoe nihazona ny tanan'izy ireo havanana Izy.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Eto "Jakoba" sy ny "olon'Israely" dia midika zavatra iray ihany. DH: "ianareo vahoakan'Israely izay tahaka ny kankana"
Ireo mety ho heviny dia 1)io dia manondro ny hevitry ny firenena hafa manoloana ny vahoakan'Israely na 2) io dia manondro ny hevitr'Israely manokana ny amin'izy ireo. Yaveh dia miresaka ny tsy fisian-dikan'izy ireo toy ny hoe kankana izy ireo.
Afaka ovaina ny teny ka hambara amin'ny matoanteny hoe "nanambara" na "nilaza" ny anarana hoe "fanambarana". DH: "Nambaran'i Yaveh" na "Nolazain'i Yaveh"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io andianteny io.
Ny famelan'i Yaveh ny Israely mba handresy ny fahavalon'izy ireo dia resahina toy ny hoe manao ireo firenena ho lasa kodia vy maranitra izay hanarina ireo tendrombohitra izy.
Ny kodia vy dia takelaka izay misy vy maranitra izay hanivanana ny vary mba hanasarahana ny vary amin'ny akofa.
Io dia manondro ny lelan'ny vy izay nipetaka teo amin'ny kodia vy maranitra. Ny hoe "roa-lela" dia midika fa tena maranitra tokoa ireo.
Ho solon'ny fivelezam-bary, dia hamely ireo tendrombohitra ny Israely, izay manambara ireo firenena mahery izay fahavalon'ny Israely. DH: "hamely ireo fahavalonareo ary hanorotoro azy ireo toy ny hoe vary izy ireo, na dia miseho mahery toy ny tendrombohitra aza izy ireo"
Ity andalana ity dia mitovy dika amin'ny andalana teo aloha ihany saingy manambara ny dingana manaraka ao amin'ny dingan'ny fivelezam-bary. Ireo havoana, izay manambara ireo fahavalon'Israely, dia ho tahaka ny akofa tsy misy dikany.
Mbola manohy mampiasa sarinteny hoe fanasarahana ny vary amin'ny akofa ihany Yaveh mba hanoritsoritana ny fomba handresen'ny Israely ny fahavalon'izy ireo.
Eto ny teny hoe "azy ireo" dia manondro ireo tendrombohitra sy havoana tao amin'ny 41:14. Io dia manondro ny dingana manaraka amin'ny fijinjana vary, izay anofana ny vary mba hanalana ny akofa. Hanjavona tahaka ny akofa tsofin'ny rivotra ireo fahavalon'ny Israely.
Ireo andianteny roa dia dia midika zavatra iray ihany. DH: "hitsoka azy ireo ny rivotra"
Ny vahoaka izay tena tao anaty filana diso tafahoatra raha nangetaheta tokoa izy ireo, sy ny vatsy ho azy ireo resahan'i Yaveh toy ny hoe nahatonga ny rano hiseho teo amin'ireo toerana izay tsy hisian'izany akory Izy.
Mbola manohy miresaka Yaveh.
Ireo dia karazan-kazo.
Eto ny teny hoe "tanana" dia manambara an'i Yaveh mihitsy. DH: "nanao izany Yaveh"
Amin'ireto andininy ireto, dia maneso ny vahoaka sy ny sampin'izy ireo Yaveh. Nanao fanamby tamin'reo sampy ny mba hilazana izay hitranga amin'ny hoavy Izy, nefa fantany fa tsy mahavita izany izy ireo.
Mbola manohy maneso ireo sampy sy ny vahoaka izay manompo izany Yaveh. (Jereo: 41:21)
Ny teny hoe "tsara" sy "ratsy" dia fampisainana izay manambara zavatra. DH: "manaova zavatra"
Eto ny hoe "anareo" dia manondro ireo sampy. DH: "ny olona izay mifidy anareo ry sampy"
Mbola manohy maneso ireo sampy sy ny vahoaka izay manompo izany Yaveh.
Ny fanendrena olona iray dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nanangana izany olona izany Izy. DH: "Efa nanendry iray Aho"
Io dia manondro ny any atsinanana, any amin'izay iposahan'ny masoandro. DH: "avy any atsinanana"
Ireo mety ho heviny dia 1) izay miantso an'i Yaveh mba hahombiazany na 2) izay olona manompo an'i Yaveh.
Ny fandresena ireo mpanapaky ny firenena hafa dia resahina toy ny hoe nohitsahina tamin'ny tongotra ireo. DH: "handresy ireo mpanapaka izy"
Mampitaha ny fomba izay hanitsahan'izany olona izany ireo mpanapaka hafa amin'ny fomba izay hanitsahan'ny mpanefy tanimanga izay mampifangaro izany amin'ny rano Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io Yaveh mba hanesoana ireo sampy izay tompoin'ny olona. Ny valiny andrasana dia 1) fa tsy nanao ireo zavatra ireo ny sampy na 2) fa Yaveh no Ilay Iray izay nanao ireo zavatra ireo. DH: "Tsy nisy tamin'ireo sampy nanambara izany hatramim-boalohany, mba hahafahanay mahalala izany. Ary tsy misy amin'izy ireo nanambara izany mialohan'ny fotoana, mba ahafahanay miteny hoe: "Marina izy."
"Eny tokoa, tsy nisy tamin'ireo sampy nandidy izany. Eny tokoa, tsy nisy nandre anareo sampy nilaza zavatra"
Mbola manohy miteny Yaveh.
"na iray tamin'ny sampy"
Ny tsy fahamendrehan'ireo sampy dia resahin'i Yaveh toy ny hoe rivotra sy tsinontsinona akory ireo sampy. DH: "tsy mendrika mihitsy ny sampin'izy ireo"
1 Indro, ny mpanompoko, izay tantanako; ilay nofidiko, ao aminy no andraisako sitraka. Efa napetrako teo aminy ny Fanahiko; hitondra rariny eo amin'ireo firenena izy. 2 Tsy hitaraina na hihiaka izy, na hanao ny feony ho re eny an-dalana. 3 Tsy ho tapahiny ny volotara torotoro, ary tsy ho vonoany ny afon'ny jiro mirehitra: hanatanteraka ny rariny amim-pahatokiana izy. 4 Tsy hitombo harerahana izy na ho kivy mandra-pametrahany ny rariny ety ambonin'ny tany; ary ny tany amorontsiraka hiandry ny lalàny. 5 Izao no lazain'Yaveh Andriamanitra__izay namorona ny lanitra ary nanenjana ireo, ilay nanao ny tany sy izay rehetra vokariny, izay manome fofonaina ho an'ny olona amin'izany ary fianana ho an'ireo izay miana eo amin'izany hoe: 6 "Izaho, Yaveh, efa niantso anao tamin'ny fahamarinana ary hihazona ny tananao. Hiambina anao Aho ary hametraka anao toy ny fanekena ho an'ny olona, tahaka ny fahazavana ho an'ireo Jentilisa, 7 mba hanokatra ny mason'ny jamba, mba hanafaka ireo voafonja ao amin'ny trano maizina, ary avy amin'ny trano fonenan'ireo izay mipetraka ao amin'ny aizina. 8 Izaho no Yaveh, izany no anarako; ary ny voninahitro tsy ho zaraiko amin'ny hafa na ny fiderana Ahy ho amin'ny sampy voasikotra. 9 Indro, efa lasa ny zavatra taloha, ankehitriny hanambara zava-baovao aminareo Aho. Mialohan'ny hanomboan'ireo dia hiteny anareo mahakasika ireo Aho." 10 Mihirà hira vaovao ho an'i Yaveh, ary ny fiderany hatrany amin'ny faran'ny tany; ianareo izay midina any amin'ny ranomasina, sy izay rehetra ao aminy, ireo tany amorontsiraka, ary ireo izay mivelona any. 11 Aoka hitaraina ny efitra sy ireo tanàna, ny tanàna izay honenan'i Kedara, dia hihiaka amin'ny fifaliana! Aoka hihoby ny mponin'i Sela; aoka hihiaka avy eo an-tampon- tendrombohitra izy ireo. 12 Aoka hanome voninahitra an'i Yaveh izy ireo ary hanambara ny fiderany amin'ny tany amorontsiraka. 13 Hivoaka tahaka ny mpiady i Yaveh; tahaka ny lehilahin'ady hamporisin'ny zotom-pony Izy. Hihiaka Izy, eny, hierona amin'ny hiakan'adiny Izy; hasehony ny fahavalony ny heriny. 14 Efa nangina Aho hatrizay; efa nangina Aho ary nifehy ny tenako; ankehitriny hitaraina toy ny vehivavy miteraka Aho; miehakehaka tsy avy miaina. 15 Hataoko lao ny tendrombohitra sy ny havoana ary hanamaina ny zava-maniriny rehetra; ary hamadika ny ony ho nosy Aho ary hanamaina ny farihy. 16 Hitondra ny jamba amin'ny lalana izay tsy fantatr'izy ireo Aho; amin'ny lalana izay tsy fantatr'izy ireo no hitarihako azy ireo. Hamadika ny aizina ho mazava eo anoloan'izy ireo Aho, ary hanao ny toeranan'ny meloka ho marina. Ireo zavatra ireo no hataoko, ary tsy handao azy ireo Aho. 17 Hiverina izy ireo, ary ho afa-baraka tanteraka, ireo izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, izay milaza ny sarin-javatra narendrika tamin'ny vy hoe: "Ianareo no andriamanitray." 18 Mihainoa, ianareo ry marenina; ary mijere, ianareo jamba, mba hahita. 19 Iza no jamba nefa mpanompoko? Na marenina toy ny mpitondra hafatra niraiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizam-panekeko, na marenina tahaka ny mpanompon'i Yaveh? 20 Maro ny zavatra hitanareo, saingy tsy takatrareo; manongilan-tsofina, nefa tsy misy mandre. 21 Nahafaly an'i Yaveh ny midera ny fahamarinany ary ny manome voninahitra ny lalàny. 22 Nefa ity dia vahoaka nangalarana sy voaroba; voafandrika any amin'ny lavaka avokoa izy ireo, notanana ho babo tao am-ponja; efa lasa voaroba izy ireo ka tsy misy na iza na iza hanavotra azy, ary tsy misy miteny hoe: "Avereno izy ireo!" 23 Iza aminareo ireo no hihaino izany? Iza no hihaino sy handre amin'ny ho avy? 24 Iza no nanome an'i Jakoba ho an'ireo jiolahy, ary ny Israely ho amin'ny mpandroba? Moa ve izany tsy i Yaveh, izay efa nanotantsika, izay nolavin'izy ireo andehanana ny lalany, ary izay nolavin'izy ireo harahina ny lalàny? 25 Noho izany dia nararany tamin'izy ireo ny firehetan'ny fahatezerany, mbamin'ny fandravan'ny ady. Niredareda nanodidina azy ireo izany, nefa tsy nahafantatra izany izy ireo; ka nandoro azy ireo izany, nefa tsy noraisin'izy ireo am-po izany.
Mbola manohy miteny Yaveh.
"Inty ny mpanompoko"
"izay tena mahafaly Ahy"
Mbola manohy miteny Yaveh.
Ny fahalemena sy ny tsy fahafahan'ny olona manoatra dia resahin'i Yaveh toy ny hoe volotara torotoro sy afon'ny jiro mirehitra ireo.
Ny volotara dia sampan-java-maniry lava, manify izay tahaka ny ahitra lava. Raha atsiparaka na simbaina izany dia tsy mahavita mitondra mavesatra. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 36:6.
"Tsy ho tapahin'ny mpanompoko"
Io dia manondro ny vahoaka izay monina ao amin'ireo tany manamorona na ampitan'ny Ranomasina Mediteraneana. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 41:1. DH: "ny vahoaka izay monina ao amin'ireo tany amorontsiraka"
Ny faharian'i Yaveh ny lanitra sy ny tany dia resahin'ny mpaminany toy ny hoe zavatra nenjanin'i Yaveh ny lanitra sy ny tany.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa manome aina ho an'ny olona rehetra Yaveh. Ny teny hoe "fofonaina" dia sarinteny ilazana ny aina. DH: "manome aina ho an'ny olona izay miaina eto an-tany"
Eto ny hoe "anao" dia manondro ilay mpanompon'i Yaveh.
Eto ny teny hoe "fanekena" dia sarinteny ilazana ny olona izay manorina na mandinika fanekena. DH: "Hiambina...hanao anao ho mpanelanelana ny fanekena amin'ny vahoaka"
Ny fanaovana ny mpanompony ho ilay iray izay manafaka ireo firenena amin'ny fatotra dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nataony fahazavana izay mamiratra ao amin'ny toerana maizina ho an'ireo Jentilisa izy.
Mbola manohy manoritsoritra izay ho ataon'ny mpanompony Yaveh.
Ny fampahiratana ny jamba dia resahina toy ny hoe nosokafana ny mason'izy ireo. Ny fanafahan'ny mpanompony ireo izay voafatotra tsy ara-drariny dia resahin'i Yaveh toy ny hoe namerina ny fahitany ho an'ny olona jamba izy. DH: "mba hamela ny jamba mba hahita"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. DH: "mba hanafaka ireo voafonja ao am-ponja, ary mba hanafaka ireo izay mipetraka ao amin'ny aizina ao amin'ny trano izay nanagadrana azy ireo"
DH: "na hizara ny fiderana Ahy amin'ireo sampy voasokitra Aho"
Io dia manondro ny fiderana izay azon'i Yaveh avy amin'ny olona.
Eto ny hoe "anareo" dia manondro ny vahoakan'Israely.
Mbola miteny Yaveh.
"ary ireo zava-manan'aina rehetra izay mipetraka ao an-dranomasina, ary ireo rehetra izay mipetraka ao amin'ireo tany amorontsiraka"
Io dia manondro ny vahoaka izay monina any an'efitra sy ao amin'ireo tanàna.
Io dia tanàna avaratr'i Arabia. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 21:16
Ireo mponin'i Sela - Sela dia tanàna any Edoma.
Mbola miteny Yaveh.
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoaka amoron'ny tany morontsiraka.
Ampitahaina amin'ny mpiady izay vonona handresy ireo fahavalon'ny vahoakany Yaveh.
Eto ny hoe "zotom-po" dia manondro ny fitiavana izay iainan'ny mpiady rehefa andeha hiady izy. Ny famporisihan'i Yaveh ny zotom-pony dia resahina toy ny hoe nisarika izany tahaka ny fisariky ny rivotra ny onjan-drano Izy.
Mbola miteny Yaveh.
Ireo andalana roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Ny tsy nanaovan'i Yaveh zavatra dia soritsoritana toy ny hoe fahanginana sy tsy fihetsehana izany.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manondro fa nifehy ny tenany tsy hanao zavatra Yaveh. DH: "Nifehy ny tenako tsy hanao zavatra Aho"
Ny asan'i Yaveh toy ny mpiady mihiaka dia ampitahaina amin'ny vehivavy bevohoka izay mitaraina nohon'ny fanaintainan'ny fiterahana. Io dia manindry zavatra izay tampoka sy tsy azo nialana taorian'ny fotoana izay tsy nanaovana zavatra.
Mampiasa fiteny misy sarinteny Yaveh mba hanoritsoritana ny heriny lehibe handreseny ireo fahavalony.
Ny dia farihy dia toerana malemy, tany mando izay misy dobon-drano.
Mbola miteny Yaveh.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. DH: "Hitarika ny jamba amin'ny lalana izay tsy fantatr'izy ireo Aho"
Ny vahoakany izay tsy afa-manoatra dia resahin'i Yaveh toy ny hoe tsy mahita izy ireo satria jamba.
Ireo mety ho heviny dia 1) "izay tsy mbola nodiavin'izy ireo" na 2) "izay tsy mahazatra azy ireo"
Ny vahoakany izay tsy afa-manoatra dia resahin'i Yaveh toy ny hoe tsy mahita izy ireo satria nandeha tao anaty aizina izy ireo, ary ny fanampiana azy ireo dia resahina toy ny hoe nahatonga hazavana mba hamiratra ao amin'ny aizina Izy.
Mbola miteny Yaveh.
Ny fandavana ireo izay manompo sampy dia resahina toy ny hoe manery azy ireo mba hiverina ary hiova lalana izany. DH: "Handà azy ireo sy hanala-baraka azy ireo Aho"
Mbola miteny Yaveh.
Eto ny hoe "ianareo" dia manondro ny vahoakan'Israely. Ny tsy fihainoan'izy ireo sy ny tsy fankatoavany Azy dia resahin'i Yaveh toy ny hoe marenina sy jamba izy ireo.
Mametraka ireo fanontaniana fampisainana ireo Yaveh mba hibedesany ny vahoakany sy hanindriany fa tsy misy olona jamba na marenina tahaka azy ireo. DH: "Tsy misy jamba tahaka ny mpanompoko. Tsy misy marenina tahaka ny mpitondra hafatra izay nirahiko."
Mametraka ireo fanontaniana fampisainana ireo Yaveh mba hibedesany ny vahoakany sy hanindriany fa tsy misy olona jamba na marenina tahaka azy ireo. DH: "Tsy misy jamba tahaka ny sakaizam-panekeko. Tsy jamba tahaka ny mpanompon'i Yaveh."
Mbola manohy miteny amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
"Na dia mahita zavatra maro aza ianareo, dia tsy takatrareo izay dikany"
Ny fahafahana mihaino dia resahina toy ny hoe manongilan-tsofina. Eto ny teny hoe "sofina" dia manondro ny fahazoana izay ren'ny olona iray. DH: "mandre ny olona, fa tsy misy mahazo izay ren'izy ireo"
"Tian'i Yaveh ny manome voninahitra ny fahamarinany amin'ny fanaovana ny lalàny mba ho be voninahitra." Ny tapany faharoa amin'ilay andianteny dia manazava ny fomba nanantanterahan'i Yaveh ny tapany voalohany.
Mbola manohy miteny Yaveh.
DH: "Nefa nangalatra sy nandroba izany vahoaka izany ny fahavalo"
Ireo teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry ny haratsin'ny nandroban'ny fahavalo azy ireo.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. DH: "namandrika azy rehetra tao anaty lavaka sy nitana azy ireo ho babo tao am-ponja ny fahavalo"
Eto dia manomboka miteny Isaia.
Eto ny hoe "aminareo" dia manondro ny vahoakan'Israely.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Mampiasa izany Isaia mba hahazoana valiny mba hanindriana ny valiny izay homeny ao amin'ny andianteny manaraka. DH: "Holazaiko aminareo hoe iza no nanolotra ny vahoakan'Israely ho an'ireo jiolahy sy ireo mpandroba."
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io Isaia mba hanindriana fa Yaveh irery ihany no tompon'andraikitra amin'izay mahazo ny Israely, ary mba hanazava ny antony izay nanaovan'i Yaveh izany. DH: "Yaveh mihitsy tokoa izany...izay nolavin'izy ireo tsy ankatoavina ny lalàny."
Eto ny hoe "-tsika" dia manondro ny vahoakan'Israely sy an'i Isaia.
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely sy an'i Isaia ihany koa. Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Amin'ny voalohany, ny fankatoavana ireo lalàn'i Yaveh dia resahina toy ny hoe nandeha tamin'ireo lalana izay nandidian'i Yaveh azy ireo mba handehana izy ireo.
Mbola miteny Isaia.
"Noho izany Yaveh"
Ny hatezeran'i Yaveh dia resahin'i Isaia toy ny hoe rano izay afaka araraka izany. DH: "nampiseho ny firehetan'ny hatezerany tamin'izy ireo"
"tamintsika". Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely, nefa mbola nampiditra ny tenany ho anisan'ny vahoaka tao amin'izany ihany Isaia.
Ny teny hoe "fandravana" dia afaka adika amin'ny matoanteny. DH: "tamin'ny nandravana azy ireo tamin'ny ady"
Ny firehetan'ny hatezeran'i Yaveh dia resahin'Isaia toy ny hoe afo izay nandoro ny vahoaka izany.
Ny fihainoana zavatra sy ny fianarana amin'izany dia resahina toy ny hoe napetraka tao am-pon'ny olona izany zavatra izany. DH: "tsy nihaino izy ireo" na "tsy nianatra tamin'izany izy ireo"
1 Fa ankehitriny dia izao no lazain'i Yaveh, Izy izay namorona anao, ry Jakoba, ary Izy izay nanamboatra anao, ry Israely: "Aza matahotra, fa efa nanavotra anao Aho; efa niantso anao tamin'ny anaranao Aho, Ahy ianao." 2 Raha mandeha mamakivaky ny rano ianareo, dia ho eo aminareo Aho; ary amin'ireo renirano, dia tsy hanafotra anareo ireny. Rehefa mandeha mamakivaky ny afo ianareo dia tsy ho may, ary tsy handrava anareo ny lelafo. 3 Fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, ilay Iray Masin'Israely, Mpamonjinareo. Nomeko ho toy ny vidim-panavotanareo i Egypta, i Etiopia sy i Seba ho takalonareo. 4 Fa sarobidy sy miavaka eo imasoko ianareo, tiako ianareo; noho izany dia hanome olona ho takalonareo Aho, ary vahoaka hafa ho takalon'ny ainareo. 5 Aza matahotra, fa momba anareo Aho; hitondra ny taranakareo avy any atsinanana Aho, ary hanangona anareo avy any andrefana. 6 Hilaza amin'ny avaratra Aho hoe:' Afaho izy ireo', ary amin'ny atsimo hoe:' Aza misy tazonina;' Ento avy any lavitra ireo zanako lahy, ary ireo zanako vavy avy any amin'ireo faritany lavitry ny tany, 7 ny tsirairay izay nantsoina tamin'ny Anarako, izay nohariako ho an'ny voninahitro, izay namboariko, eny, izay nataoko. 8 Avoahy ireo olona izay jamba, na dia mana-maso aza izy ireo, sy ireo marenina, na dia manan-tsofina aza izy ireo. 9 Miara-miangona ny firenena rehetra, ary mivory ny vahoaka. Iza amin'izy ireo no afaka nanambara izany sy nanambara taminay ireo tranga teo aloha? Aoka izy ireo hitondra ny vavolombelony mba hanaporofo marina azy ireo, aoka izy ireo hihaino sy hanamafy hoe:' Marina izany.' 10 Manambara i Yaveh hoe: "Ianareo no vavolombeloko, ary mpanompoko izay nofidiako, ka tokony hahafantatra sy hino Ahy ianareo, ary hahatakatra fa Izaho no Izy. Tsy nisy andriamanitra voaforona talohako, ary tsy hisy ao aoriako. 11 Izaho, Izaho no Yaveh, ary tsy misy Mpamonjy ankoatra Ahy. 12 Efa nanambara Aho, namonjy, ary nanambara am-pahibemaso, ary tsy misy andriamani-kafa eo aminareo. Ianareo no vavolombeloko," hoy i Yaveh," Izaho no Andriamanitra. 13 Hatramin'io andro io dia Izaho no Izy, ary tsy misy afaka manavotra an'iza na iza eo tanako. Miasa Aho, ary iza no afaka hamadika izany?" 14 Izao no lazain'i Yaveh, Mpanavotra anareo, ilay Iray Masin'Israely: "Fa noho ny aminareo no handefasako any Babylona sy hitarihako azy ireo rehetra hidina toy ny mpandositra, hamadihana ny fanehoan'ireo Babyloniana hafaliana ho hiram-pitomaniana. 15 Izaho no Yaveh, ilay Iray Masinareo, Mpamorona an'Israely, Mpanjakanareo." 16 Izao no lazain'i Yaveh( izay nanokatra lalana namakivaky ny ranomasina sy lalana teo amin'ny rano mahery, 17 izay namoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny tafika sy ny miaramila mahery. Niara-lavo izy ireo; tsy hitsangana intsony izy ireo; maty izy ireo, mitsilopilopy tahaka ny lahin-jiro.) 18 "Aza mieritreritra momba ireny zavatra taloha ireny, na mahatsiaro ireo zavatra taloha efa ela. 19 Indro, Izaho efa manao zava-baovao; efa hanomboka mitranga izany ankehitriny; tsy mahalala izany ve ianareo? Hanao lalana any an-tany efitra sy rian-drano any an-tany karakaina Aho. 20 Hanome voninahitra Ahy ny bibidia an-tsaha, ireo amboadia sy ireo ostritsa, satria manome rano any an-tany karakaina Aho, ary renirano any an-tany efitra, mba hosotroin'ny vahoaka voafidiko, 21 ireo vahoaka izay novolavolaiko ho Ahy ihany, fa mety hitantara ny fiderana Ahy izy ireo. 22 Fa tsy niantso Ahy ianao, ry Jakoba; reraka ny Amiko ianao, ry Israely. 23 Tsy mba nitondra tamin'ireo ondrinareo ho fanatitra dorana ho Ahy ianareo, na nanome voninahitra Ahy tamin'ireo soronareo. Tsy nanavesatra anareo tamin'ny fanatitra vary Aho, na nanasatra anareo tamin'ny fangatahana ditin-kazo manitra. 24 Tsy nividy veromanitra ho Ahy tamin'ny vola ianareo, na nandraraka Tamiko ny jaboran'ireo soronareo; fa nanavesatra Ahy tamin'ny fahotanareo ianareo; nanasatra Ahy tamin'ireo asa ratsinareo. 25 Izaho, eny, Izaho, no Ilay mamono ny fandikan-dalànareo noho ny Amiko ihany; ary tsy hahatsiaro ireo fahotanareo intsony Aho. 26 Ampahatsiahivo Ahy izay nitranga. Aoka isika hiara-hifandahatra; asehoy ny hevitrareo, fa mety ho voaporofo ho tsy manan-tsiny ianareo. 27 Nanota ny rainareo voalohany, ary nikomy tamiko ireo loholonareo. 28 Noho izany dia holotoiko ireo manam-pahefana masina; hanao an'i Jakoba ho ringana tanteraka Aho, ary i Israely amin'ny fanalam-baraka mahery setra."
Midika zavatra iray ihany ireo fehezanteny ireo. DH: "Ilay izay nahary anao, ry vahoakan'Israely"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ny fandalovana fijaliana sy fotoan-tsarotra dia resahin'i Yaveh toy ny hoe rano lalina sy afo izay andehanan'ny olona izany. Ny teny hoe "rano" sy "afo" dia sarinteny ary manindry izay mety ho tranga sarotra.
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa tsy hiaina zava-dratsy ny vahoaka satria momba azy ireo Yaveh.
DH: "tsy handoro anareo izany"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa hamela ny fahavalon'ny Israely handresy ireo firenena fa tsy Israely Yaveh.
Io dia anarana firenena.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ny teny hoe "sarobidy" sy "miavaka" dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry ny haben'ny hanomezan'i Yaveh lanja ny vahoakany. DH: "Satria tena sarobidy Amiko ianareo"
Ireo andianteny ireo dia midika zavatra iray ihany. DH: "noho izany dia hamela ny fahavalo handresy ireo vahoaka hafa fa tsy ianareo Aho"
Ny hoe "atsinanana" sy "andrefana" dia sarinteny ary manambara hoe avy amin'ny lalana rehetra. DH: "Ho entiko avy amin'ny lalana rehetra ianareo sy ny taranakareo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Miresaka ny "avaratra" sy "atsimo" toy ny hoe mandidy ireo firenena ireo any amin'ireo toerana ireo Yaveh.
Ny vahoaka izay Azy dia resahin'i Yaveh toy ny hoe zanany izy ireo.
Ny hoe antsoina amin'ny anaran'olona dia manambara hoe an'izany olona izany. DH: "ny rehetra izay nantsoina tamin'ny anarako" na "ny rehetra izay Ahy"
Ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa Andriamanitra no nanao ny vahoakan'Israely.
Ireo izay tsy mihaino Azy na mankatoa Azy dia resahin'i Yaveh toy ny hoe jamba sy marenina izy ireo.
Io fanontaniana fampisainana io dia mihatra amin'ireo andriamanitra izay tompoin'ny vahoakan'ireo firenena. Ny valiny efa fantatra dia hoe tsy misy amin'izy ireo afaka manao izany. Afaka adika ho fehezanteny io fanontaniana io. DH: "Tsy nisy tamin'ny andriamanitr'izy ireo afaka nanambara izany na nilaza taminay ireo tranga teo aloha izany."
Io andianteny io dia manondro ny fahafahan'izy ireo milaza momba ireo tranga izay nitranga tany aloha nialohan'ny nitrangan'izany. DH: "nanambara taminay ireo tranga teo aloha nialohan'ny nitrangan'ireo"
Manao fanamby amin'ireo andriamanitra izay tompoin'ireo firenena Yaveh mba hitondra vavolombelona izay hijoro vavolombelona fa afaka manao ireo zavatra ireo izy ireo, na dia fantany aza fa tsy afaka manao izany ireo. DH: "Ireo andriamanitra ireo dia tsy manana vavolombelona izay hanaporofo fa marina izy ireo, dia vavolombelona izay hihaino sy hanaiky hoe: "Marina izany.""
Eto ny hoe "ianareo" dia manondro ny vahoakan'Israely. Ny andianteny hoe "mpanompoko" dia manondro ny firenena, ho toy ny iray manontolo.
Amin'ny fitenenana tahaka izany, dia tsy milaza Yaveh akory fa nisy fotoana nialohan'ny nisiany na fotoana taorian'ny hisiany.
Eto ny teny hoe "voaforona" dia manondro fa miresaka ireo sampy izay nataon'ny olona Yaveh. DH: "Tsy nisy tamin'ireo andriamanitra izay namboarin'ny olona nisy talohako"
"ary tsy nisy tamin'ireo andriamanitra hisy aoriako"
Ny teny hoe "Izaho" dia naverina mba hanindriana ny fifantohana amin'i Yaveh. DH: "Izaho irery ihany no Yaveh" na "Izaho mihitsy no Yaveh"
DH: "Izaho irery ihany no mpamonjy" na "Izaho irery ihany no afaka mamonjy anareo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Eto ny teny hoe "tanana" dia manambara ny herin'i Yaveh. DH: "tsy misy afaka manavotra ny olona amin'ny heriko"
Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hilazana fa tsy misy afaka miala amin'ny tanany. Afaka adika ho fehezanteny izany. Ny hoe mampivadika ny tanany dia manambara ny fanatsaharana Azy tsy hanao zavatra. Jereo ny fomba nandikanao izany andianteny izany tao amin'ny 14:26. DH: "tsy misy afaka mamerina izany." na "tsy misy afaka manakana Ahy."
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 izany.
DH: "Nandefa tafika tany Babylona Aho"
"mitarika ireo Babyloniana rehetra hidina toy ny mpandositra"
Ny mpandositra dia olona izay mitsoaka mba tsy ho azon'ny fahavalony izy.
Amin'ireto andininy ireto, dia miresaka ireo tranga manaraka ny fifindrana avy any Egypta, rehefa nizara ny ranomasina mba hamelana ireo Israelita mamakivaky tany maina nefa nandrendrika ny tafika Egyptiana avy eo i Isaia. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava.
Ny fahafatesana dia resahina toy ny hoe lavo tamin'ny tany. DH: "Maty avokoa izy rehetra; tsy ho velona intsony izy ireo"
Ny fahafatesan'ny olona dia resahina toy ny hoe lahin-jiro mirehitra izay novonoin'ny olona. DH: "tapitra, tahaka ny olona mamono ny lelafon'ny lahin-jiro ny ain'izy ireo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa tsy tokony hatahotra momba izay nitranga tany aloha izy ireo.
Io dia fomba fiteny. DH: "Henoy" na "Tandremo"
Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hampianarana ny vahoakan'Israely. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "tena nahalala izany tokoa ianareo."
Eto dia manome voninahitra an'i Yaveh toy ny hoe olona ireo biby.
Ireo dia ohatra amin'ireo karazam-biby izay hanome voninahitra an'i Yaveh. Jereo ny nandikanao ireo anaram-biby ireo tao amin'ny 13:21. Ny teny tsy ao dia afaka ampiana mba hampazava kokoa. DH: "hanome voninahitra Ahy ireo amboahaolo sy ireo ostritsa"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Io dia zava-maniry izay tsara fofona nampiasaina mba hanaovana menaka fanosorona. Tsy maniry any amin'ny tanin'ny Israely izany koa tsy maintsy mividy izany any amin'ireo firenena hafa ny olona.
Ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry ny fitarainana azon'i Yaveh tamin'ny vahoakany.
"nanakorontana Ahy tamin'ireo fahotanareo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ny teny hoe "Izaho" dia naverina mba hanindriana. DH: "Izaho irery ihany"
Ny famelana fahotana dia resahina toy ny hoe na 1) famonoana izany na famafana izany na 2) famafana ny rakitra an-tsoratry ny fahotana. DH: "izay mamela ny fandikan-dalànareo tahaka ny olona mamafa zavatra" na "izay mamela ireo fandikan-dalànareo tahaka ny olona izay mamafa ny rakitry ny fahotana"
"nohon'ny voninahitro ihany" na "nohon'ny lazako ihany"
"mahatadidy"
Manao fanamby amin'ny vahoaka mba hanolorana porofo fa tsy manan-tsiny nohon'ny zavatra izay niampangana azy ireo Yaveh, na dia fantany aza fa tsy afaka manao izany izy ireo. DH: "asehoy ny raharahanareo, nefa tsy afaka manaporofo ianareo fa tsy manan-tsiny ny tenanareo"
DH: "fa mety hanaporofo ianareo fa tsy manan-tsiny ny tenanareo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Io dia manondro ny fototr'Israely ary mety manambara na an'i Abrahama na Jakoba.
Eto ny hoe "manolotra" dia manambara ny fametrahana olona ambany fahefan'ny hafa. Ny anarana hoe "faharinganana" dia afaka adika ho matoanteny. DH: "Hahatonga ny fahavalo handringana tanteraka an'i Jakoba Aho"
Ny matoanteny dia azo ampiana avy amin'ny andianteny teo aloha, izay ao amin'ny andianteny mifanindran-dalana. Ny anarana hoe "fanalam-baraka" dia afaka adika ho matoanteny. DH: "Hamela ny fahavalo hananararaotra sy hanala-baraka ny Israely Aho"
1 Mihainoa ankehitriny, ry Jakoba mpanompoko, sy ry Israely, izay nofidiako: 2 Izao no lazain'i Yaveh, Izy izay nanao anao sy namolavola anao tao am-bohoka sy izay hamonjy anao hoe: "Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko; sy ianao, ry Jesorona, izay nofidiako. 3 Fa handatsaka rano amin'ny tany mangetana, sy rian-doharano amin'ny tany maina Aho; handatsaka ny Fanahiko amin'ny zanakao Aho, ary ho amin'ireo zanakao ny fitahiako. 4 Hitsimoka eo amin'ny ahitra, tahaka ny hazomalahelo eo akaikin'ny rian-drano izy ireo. 5 Ny iray hiteny hoe: 'An'i Yaveh aho', ary ny hafa hiantso mafy ny anaran'i Jakoba, ary ny hafa hanoratra eo amin'ny tanany hoe: 'An'i Yaveh', ka hiantso ny tenany amin'ny anaran'i Israely." 6 Izao no lazain'i Yaveh— ilay Mpanjakan'ny Israely sy Mpanavotra azy, dia Yaveh Tompon'ny maro: "Izaho no voalohany, ary Izaho no farany; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. 7 Iza no tahaka Ahy? Aoka izy hilaza izany ka hanazava Amiko ireo zavatra izay nitranga hatramin'ny nanorenako ny vahoakako taloha, ary aoka izy ireo hanambara ireo zavatra ho avy. 8 Aza matahotra na miahiahy. Moa ve Aho tsy efa nanambara taminareo tany aloha tany, ka nilaza izany? Vavolombeloko ianareo: Moa ve misy Andriamanitra afa-tsy Izaho? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahafantatra na iray aza Aho." 9 Ny rehetra izay mamboatra sampy dia tsinontsinona; zava-poana ireo zavatra ankasitrahany; ny vavolombelon'izy ireo dia tsy mahita na mahalala na inona na inona, ary halaim-baraka izy ireo. 10 Iza no hamolavola andriamanitra na hanamboatra sampy izay zava-poana? 11 Indro, ny mpiara-miasa aminy rehetra dia halaim-baraka avokoa; ireo mpanao asa tanana dia olona ihany. Aoka izy ireo hiara-hijoro; hatahotra izy ireo ary halaim-baraka. 12 Ny mpanefy dia miasa amin'ireo fitaovany, mamolavola izany, miasa amin'ny arina. Mamolavola izany amin'ny tantanana ary miasa izany amin'ny sandriny mahery izy. Noana izy, ka mihena ny tanjany, tsy misotro rano izy ka manjary reraka. 13 Mandrefy ny hazo amin'ny fitsipihana ny mpandrafitra, ary misokitra izany amin'ny fandraka. Mamolavola izany amin'ireo fitaovany izy ary manamarika izany amin'ny kompà. Mamolavola izany ho toy ny endrik'olona izy, tahaka ny olombelona manintona, mba hipetraka ao an-trano izany. 14 Manapaka sedera izy, na mifidy hazon-kypreso na hazo terebinta. Maka hazo any an'ala ho azy izy. Mamboly kesika izy ary mampaniry izany ny orana. 15 Dia ampiasain'ny olona hampirehetana afo sy hamindroana izany. Eny, mandrehitra afo izy ka manao mofo. Dia manao andriamanitra amin'izany izy ka miankohoka amin'izany; manao sampy izy ka miankohoka amin'izany. 16 Mandoro ny sasany amin'ny hazo hampirehetana afo izy, mitono ny henany amin'izany. Mihinana izy ka afa-po. Mamindro izy ka manao hoe: "Aha, mafana aho, efa nahita afo aho." 17 Amin'ny hazo sisa tavela no anamboarany andriamanitra, ny sariny voasikotra; miankohoka eo amin'izany izy sady manaja izany, ary mivavaka amin'izany manao hoe: "Avoty aho, fa ianao no andriamanitro." 18 Tsy mahafantatra, na mahatakatra izy ireo, fa jamba ny mason'izy ireo ka tsy mahita, ary tsy mahalala ny fon'izy ireo. 19 Tsy misy mihevitra, na mahazo izy ireo ka manao hoe: "Efa nandoro ny sasany tamin'ny hazo tao anatin'ny afo aho; eny, efa nanao mofo teo ambonin'ny ariny ihany koa aho. Efa nitono hena teo amin'ny arina aho ka nihinana. Ankehitriny, tokony hanao zavatra maharikoriko amin'ny hazo hafa sasany mba ho tompoina ve aho? Tokony hiankohoka amin'ny vatan-kazo ve aho?" 20 Tahaka ny hoe mihinana lavenona izy; mampivily azy ny fony voafitaka. Tsy afa-mamonjy ny tenany izy, na manao hoe izy: "Ity zavatra eto an-tanako havanana ity dia andriamani-tsy izy." 21 Hevero ny momba ireo zavatra ireo, ry Jakoba, sy ry Israely, fa mpanompoko ianao: efa namolavola anao Aho; mpanompoko ianao: ry Israely, tsy ho adinoko ianao. 22 Novonoiko, tahaka ny raho-matevina, ireo asa fikomianao, ary tahaka ny rahona, ireo fahotanao; miverena Amiko, fa efa nanavotra anao Aho. 23 Mihirà, ianareo ry lanitra, fa Yaveh no nanao izany; mikiaha, ianareo ry halalin'ny tany. Mihobia amin'ny fihirana, ianareo ry tendrombohitra, ianao ry ala mbamin'ny hazo rehetra ao; fa efa navotan'i Yaveh i Jakoba, ka hahita ny voninahiny ao Israely. 24 Izao no lazain'i Yaveh, Mpanavotra anao, Izy izay namolavola anao hatrao am-bohoka: "Izaho no Yaveh, izay nanao ny zavatra rehetra, izay Izaho irery no nanenjana ny lanitra, izay Izaho irery no nanamboatra ny tany. 25 Izaho izay manafoana ny famantaran'ireo mpiteniteny foana sy izay manala-baraka ireo izay mamaky famantarana; Izaho izay mandrava ny fahendren'ny hendry sy manao ny torohevitr'izy ireo ho adalana. 26 Izaho, Yaveh, izay nanamafy ireo tenin'ny mpanompony ary mampandalo ireo faminanian'ireo iraka, izay milaza amin'i Jerosalema hoe: 'Honenana izy', ary an'ireo renivohitr'i Joda hoe: 'Hatsangana indray izy ireo, ary hanarina ny faharavany Aho'; 27 izay milaza amin'ny ranomasina lalina hoe: 'Aoka ho ritra, ary ho ritraiko ireo oninao.' 28 Yaveh Ilay izay miteny an'i Kyrosy hoe: 'Izy no mpiandry ondriko, hanao ny faniriako rehetra Izy, handidy ny amin'i Jerosalema Izy hoe: 'Hatsangana indray izy' ary ny amin'ny tempoly hoe: 'Aoka haorina ireo fototrao.'"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Io dia manondro ireo taranak'i Jakoba. DH: "ireo taranak'i Jakoba, mpanompoko"
Ny fahariana ny firenen'Israely dia resahin'i Yaveh toy ny hoe namolavola firenena toy ny zazakely ao an-kibon-dreniny izany. DH: "Izy izay nanao anao, toy ny namolavolako zazakely tao am-bohoka"
Ny matoanteny dia afaka ampidirina avy amin'ny andianteny teo aloha. DH: "ary aza matahotra ianao, ry Jesorona, izay nofidiako"
Io ihany koa dia manondro ny vahoakan'Israely.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ny fanomezana ny Fanahiny ho an'ny vahoakan'Israely dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nahatonga orana mba hilatsaka sy rian-drano hikoriana amin'ny tany maina Izy.
Ny tany maina dia resahina toy ny hoe olona mangetaheta izany. DH: "ny tany maina"
Ny fanomezana ny Fanahiny ho an'ny vahoaka dia resahin'i Yaveh toy ny hoe rano izay ararany tamin'izy ireo ny Fanahiny. DH: "Hanome ny Fanahiko ho an'ny taranakao Aho"
Afaka ampiana avy amin'ny andianteny teo aloha ny matoanteny. DH: "ary handraraka ny fitahiako amin'ny zanakareo Aho" na "ary hanome ny fitahiako ho an'ny zanakareo Aho"
Ny vahoakan'Israely izay ambinina sy mitombo dia resahina toy ny hoe zava-maniry izay maniry satria manana rano be izy ireo.
Ny hazomalahelo dia hazo manify rantsana izay maniry akaikin'ny rano.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
"ny olona hafa hilaza fa taranak'i Jakoba izy"
"hiantso ny tenany hoe taranak'Israely"
"Mpanavotr'Israely"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:9 ihany io.
Io andianteny io dia manindry ny maha-mandrakizay an'i Yaveh. Ireo mety ho heviny dia 1) "Izaho no ilay izay nanomboka ny zavatra rehetra, ary Izaho no ilay izay mamarana ny zavatra rehetra na 2) "Izaho no ilay izay velona mandrakariva, ary Izaho no ilay izay ho velona mandrakariva."
Mbola manohy miteny Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io Yaveh mba hanindriana fa tsy misy tahaka Azy. Afaka adika ho fehezanteny io fanontaniana io. DH: "Raha misy olona mihevitra fa tahaka Ahy izy, dia aoka izy hilaza"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Mampiasa ireo fiteny roa mitovy ireo Yaveh mba hanamafisana ny fampaherezany. DH: "Aza matahotra"
Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanindriana fa Izy no ilay izay naminany ireo tranga izay efa nitranga ankehitriny. Afaka adika ho fehezanteny izany. Ny teny hoe "nilaza" dia midika zavatra iray amin'ny hoe "nanambara" ihany amin'ny ankapobeny. DH: "Nanambara ireo zavatra ireo taminareo tany aloha be tany Aho."
Mampiasa fanontaniana indray Yaveh mba hanindriana fa tsy misy Andriamanitra hafa. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho."
Miresaka ny tenany toy ny hoe vatolampy lehibe izay azon'ny olona hialofana Yaveh. Midika izany fa manana hery hiarovana ny vahoakany Izy.
Mbola manohy miteny Yaveh.
"ireo sampy izay ankasitrahan'izy ireo dia tsy mendrika"
Io andianteny io dia manondro ireo izay manompo ireo sampy ireo sy ireo izay milaza ho vavolombelon'ny herin'ny sampy. Ny tsy fahavitan'izy ireo mahatakatra ny marina dia resahin'i Yaveh toy ny hoe jamba izy ireo. DH: "ireo izay atao ho vavolombelona ho an'ireo sampy ireo dia tahaka ny olona jamba izay tsy mahalala na inona na inona"
DH: "ho afa-baraka izy ireo" na "hanala baraka azy ireo ny sampin'izy ireo"
Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hibedesana ireo izay manao sampy. Io fanontaniana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Ireo adala ihany no hanao andriamanitra na hisokitra sampy izay tsy mendrika."
Ny teny hoe "zava-poana" dia tsy manavaka na sampy tsy mendrika na sampy mendrika, satria ny sampy rehetra dia samy tsy mendrika avokoa. DH: "nanao sampy tsy mendrika"
Mbola manohy miteny Yaveh.
Ireo mety ho heviny dia 1) io dia manondro ireo mpanao asa-tanana mpiara-miasa izay manao sampy. DH: "ireo mpiara-miasa amin'ny mpanao asa-tanana rehetra" na 2) io dia manondro ireo izay mikambana amin'ny sampy amin'ny fanompoana izany. DH: "ireo rehetra izay manompo sampy"
DH: "ho afa-baraka"
"Aoka izy rehetra hiara-tonga eo anatrehako"
"ho raiki-tahotra izy ireo." Ny hoe "matahotra" dia miforitra nohon'ny tahotra.
Mbola manohy miteny Yaveh.
"mamolavola ny sampy" na "manamboatra sampy"
Ny tady dia nampiasaina mba handrafetana ny endriky ny sampy eo amin'ny hazo.
Io dia fitaovana maranitra izay handragotana ny hazo mba ahafahan'ny mpanao asa tanana mahita hoe aiza no ho tapahina.
Io dia fitaovana misy tendrony roa izay aenjana ampiasaina mba hanamarihana ny hazo mba hanaovana sampy.
"manapaka...ny mpandrafitra" na "manapaka...ny mpisokitra hazo"
hazo maitso lava
"Dia ampiasain'ny olona...ny hazo"
Ity ampahan'ny fehezanteny ity dia milaza zavatra mitovy amin'ilay voalohany ihany mba hanindriana izany.
Ireo izay tsy mahatakatra ny hadalan'ny fanompoan-tsampy dia resahin'i Yaveh toy ny hoe jamba.
Eto ny "mason'izy ireo" dia manambara ilay olona manontolo. DH: "fa jamba izy ireo"
Eto ny teny hoe "fo" dia manambara ny eritreritra sy ny hevitry ny olona. DH: "tsy mahatakatra izy ireo"
Milaza Yaveh fa ireo olona ireo dia tsy tokony manontany tena amin'ireo fanontaniana fampisainana ireo. Ireo fanontaniana ireo dia miandry valiny ratsy ary manindry ny hadalan'ny olona amin'ny fanaovana ireo zavatra ireo. Afaka adika ho fehezanteny ireo fanontaniana ireo. DH: "Tsy tokony hanao...zavatra maharikoriko mba hotompoina aho. Tsy tokony miankohoka amin'ny vatan-kazo aho."
Ny olona manompo sampy dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nihinana lavenon'ny hazo izay nanaovany sampy izany olona izany. Tahaka ny hihinanany lavenona izay tsy ahazoan'ny olona tombony, dia toy izany koa ny fanompoana sampy.
Manambara ny ao anatin'ny olona ny fo. DH: "mampivily ny tenany izy satria voafitaka"
"Ny olona izay manompo sampy dia tsy afaka mamonjy ny tenany"
Mbola manohy miteny Yaveh.
Io dia manondro ny olona taranak'i Jakoba, Israely. DH: "ianareo taranak'Israely"
DH: "Tsy hanadino anao Aho"
Ireo fehezanteny ireo dia midika zavatra iray ihany. Nanala ny fahotan'izy ireo faingana sy mora foana tahaka ny itsofan'ny rivotra ny rahona Andriamanitra.
Ny matoanteny dia afaka ampiana amin'ny andianteny teo aloha. DH: "ary tahaka ny rahona, no namafako ireo fahotanareo"
Eto Isaia dia miresaka fizaran'ny fahariana maro toy ny hoe olona ireo ary mandidy ireo mba hidera an'i Yaveh.
"ianareo faritry ny tany any ambany indrindra." Ireo mety ho heviny dia 1) io dia manondro ireo toerana tena lalina eto an-tany toy ny lava-bato na hadilanana ary sarinteny miaraka amin'ny "lanitra" ao amin'ny andianteny teo aloha izany na 2) io dia manondro ny toeran'ny maty.
Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 41:14 io teny io.
Ny fahariana ny firenen'Israely dia resahin'i Yaveh toy ny hoe namolavola ny firenena toy ny zazakely izay ao am-bohoka. Jereo ny fomba nandikanao io fanontaniana io tao amin'ny 44:1. DH: "Izy izay nanao anao, toy ny namolavola zazakely tao am-bohoka"
Ny faharian'i Yaveh ny lanitra sy ny tany dia resahin'ny mpaminany toy ny hoe zavatra nenjanin'i Yaveh ny lanitra sy ny tany. Jereo ny nandikanao izany andianteny izany tao amin'ny 42:5.
Ireo dia famantarana izay nampiasain'ny olona mba hanandramana hilazana ny hoavy.
Io dia manondro ny olona izay milaza zavatra tsy misy dikany.
Milaza zavatra iray indroa Yaveh mba hanindriana fa Izy irery ihany, Yaveh, no mahatonga ireo faminaniana izay ho tanteraka.
Ny anarana hoe "teny" sy "faminaniana" dia afaka adika ho matoanteny. DH: "izay ambaran'ny mpanompony...izay ambaran'ireo mpitondra hafany"
DH: "Hipetraka ao indray ny olona"
DH: "Hanangana ireo indray ny olona"
Ny andianteny hoe "faharavana" dia manondro ireo toerana izay nopotehina. Ny fanarenana ireo indray dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nanarina ireo indray Izy. DH: "Hanangana indray izay noravan'ny hafa Aho"
Mbola manohy miteny Yaveh.
Kyrosy manapaka sy miaro ny vahoakan'Israely dia resahin'i Yaveh toy ny hoe mpiandry azy ireo Kyrosy.
DH: "Aoka hatsangana indray ny tanàna"
DH: "Aoka hametraka ireo fototr'izany ny olona"
1 Izao no lazain'i Yaveh amin'ilay voahosony, amin'i Kyrosy, izay tazoniko amin'ny tanany ankavanana, mba haharesy ireo firenena eo anatrehany, mba hampilavo lefona ny mpanjaka, ary mba hanokatra ny varavarana eo anoloany, mba hijanona hisokatra ireo vavahady. 2 "Handeha eo anoloanao aho ary hampahitsy ireo tendrombohitra; ho tapatapahako ireo varavarana varahina ary ho potipotehiko ireo bara vy, 3 ary homeko anao ireo haren'ny aizina sy ny harena niafina, mba hahafantaranao fa Izaho, Yaveh, no miantso anao amin'ny anaranao, dia Izaho, ilay Andriamanitr'Israely. 4 Noho ny amin'i Jakoba mpanompoko, sy Israely voafidiko, dia niantso anao tamin'ny anaranao Aho: nanome anao anaram-boninahitra, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao. 5 Izaho no Yaveh, ary tsy misy hafa; tsy misy Andriamanitra ankoatra Ahy. Izao no ampisikina anao ho amin'ny ady, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao; 6 mba hahafantaran'ny olona hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro, ka hatrany andrefana, fa tsy misy andriamanitra ankoatra Ahy: Izaho no Yaveh, ary tsy misy hafa. 7 Izaho no nanao ny mazava ary nahary ny aizina; izao no mitondra fiadanana ary mahatonga loza; Izaho no Yaveh, izay manao izany zavatra rehetra izany. 8 Ianareo ry lanitra, aoka hanorana avy any ambony! Aoka ny habakabaka hanorana fahamarinana. Aoka ny tany hitroka izany, mba hitsimoka miaraka amin'izany ny famonjena, ary hiara-hitsiry amin'izany ny fahamarinana. Izaho, Yaveh, no nahary azy ireo. 9 Loza ho an'izay rehetra miady amin'izay nanao azy, amin'izay toy ny vilany tany eo anivon'ireo vilany tany hafa eo amin'ny tany ihany! Moa ve ny tanimanga mba miteny amin'ny mpanefy tanimanga hoe: 'Inona izato amboarinao?' na 'Tsy mahafehy izany ny asanao'? 10 Loza ho an'izay miteny amin'ny ray hoe: 'Inona ity aterakao?' na amina vehivavy hoe: 'Inona ity avoakanao?' 11 Izao no lazain'I Yaveh, ilay Iray Masin'Israely, Mpahary azy: 'Nahoana ianao no mametra-panontaniana ny amin'izay ataoko ho an'ny zanako? Miteny amiko izay tokony hatao mahakasika ireo asan'ny tanako ve ianao? 12 'Izaho no nanao ny tany ary nahary ny olona teo amin'izany. Ny tanako no namelatra ny lanitra, ary Izaho no nandidy ny kintana rehetra mba hipoitra. 13 Izaho no nanentana an'i Kyrosy tamin'ny fahamarinana, ary izaho no hanalama ny lalany rehetra. Izy no hanangana ny tanànako; izy no hampody ireo oloko sesitany, ary tsy misy vidiny na kolikoly,'" hoy i Yaveh tompon'ny maro. 14 Izao no lazain'i Yaveh: "Ny fidiram-bolan'i Egypta sy ny entam-barotr'i Etiopia mbamin'ireo Sabeana, izay olona lava ranjanana, dia ho entina eo aminao. Ho anao ireo. Hanaraka anao ireny, handeha miaraka amin'ny gadra vy. Hiankohoka eo aminao ireny ka hifona aminao hanao hoe: 'Miaraka aminao tokoa Andriamanitra, ary tsy misy hafa ankoatra Azy."' 15 Marina tokoa fa Ianao no Andriamanitra izay manafina ny tenanao, ry Andriamanitr'Israely, Mpamonjy. 16 Hiara-menatra sy ho afa-baraka avokoa ireny; ireo izay manao sampy voasokitra dia handeha amin'ny fahafaham-baraka. 17 Fa ho avotan'i Yaveh amin'ny famonjena mandrakizay Israely; tsy ho menatra na ho afa-baraka intsony ianao. 18 Izao no lazain'i Yaveh, izay nahary ny lanitra, ilay Andriamanitra marina izay nahary ny tany sy nanao izany, izay nanorina izany. Izy no nahary izany, tsy tahaka ny fakofako, fa nataony mba ho azo hipetrahana: "Izaho no Yaveh, ary tsy misy hafa. 19 Tsy niteny mangingina, tany amin'ny toerana miafina Aho; tsy mba niteny tamin'ny taranak'i Jakoba Aho hoe: 'Tadiavo fahatany Aho!' Izaho no Yaveh, izay miteny marina; zavatra marina no ambarako. 20 Vorio ny tenanareo ka avia! Miaraha-miangona, ianareo mpitsoa-ponenana avy any amin'ireo firenena! Tsy mba manam-pahalalana, ireo izay mitondra sary voasokitra sy mivavaka amin'ny andriamanitra izay tsy afa-mamonjy. 21 Manakaikeza ary ambarao amiko izany, ento ny porofo! Aoka izy ireo hiara-hikononkonona. Iza no nampiseho izany hatry ny ela? Iza no nitory izany? Tsy Izaho Yaveh ve? Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; tsy misy hafa ankoatra ahy. 22 Miverena amiko ary aoka ho voavonjy, ry faran'ny tany rehetra; fa Izaho no Andriamanitra ary tsy misy ankoatra Ahy. 23 Mianiana amin'ny tenako Aho, milaza ny lalàna mariko, ary tsy hihemotra izany: 'Amiko no hitolefika ny lohalika rehetra, ary hianiana ny lela rehetra. 24 Hilaza ny Amiko izy ireo hoe: "Ao amin'i Yaveh irery ihany ny famonjena sy ny hery."'"' Ho menatra avokoa ireo izay tezitra aminy. 25 Ao amin'i Yaveh no hanamarinana ny taranak'Israely rehetra; ao aminy no hireharehan'izy ireo.
Ny fanampian'i Yaveh an'i Kyrosy sy nanaovany azy hahomby dia resahina toy ny hoe nihazona ny tanany havanana Izy.
Mbola manohy miresaka amin'i Kyrosy i Yaveh.
Ny fanalana ireo sakana izay hisakana ny fahombiazan'i Kyrosy dia resahin'i Yaveh toy ny hoe fanarenana ireo tendrombohitra eo anatrehany izany.
Ny teny Hebreo nampiasaina tao amin'ny lahatsoratra dia mahalana ary tsy mazava tsara ny dikany. Ireo dikanteny sasany vaovao dia manao hoe "toerana marokoroko" na "toerana mahitsy."
Io dia manondro ny bara vy izay eo amin'ireo vavahady varahina.
Eto ny "aizina" dia manondro ireo toerana izay miafina. DH: "ireo harena ao amin'ny toerana maizina" na "ireo harena izay ao amin'ny toerana miafina"
Mbola manohy miresaka amin'i Kyrosy i Yaveh.
Ireo dia samy manondro ireo taranak'Israely.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Hampahery anao ho amin'ny ady Aho" na 2) "hampitaovana anao ho amin'ny ady Aho."
Satria miposaka any atsinanana ny masoandro, dia sarinteny ary midika hoe na aiza na aiza eto an-tany izany io andianteny io. DH: "any amin'ny toerana rehetra eto an-tany"
Mbola manohy miteny Yaveh.
Ireo fiteny ireo dia samy sarinteny izay manindry fa Yaveh no mpahary faratampon'ny zavatra rehetra.
Ny fahamarinany dia resahin'i Yaveh toy ny hoe orana izay milatsaka eto an-tany, ary ny fahamarinany sy ny famonjeny dia resahina toy ny hoe zava-maniry izay maniry eto an-tany.
Manala ny fifantohany vetivety amin'ny vahoakany Yaveh ary manomboka miresaka amin'ny lanitra.
Mbola manohy miteny Yaveh.
Miresaka ny tenany toy ny hoe mpanefy tanimanga Yaveh, ary ny olona izay hiady hevitra Aminy toy ny hoe vilany tanimanga avokoa izany olona izany sy ny olombelona rehetra. DH: "tahaka ny poti-bilany iray eo amin'ny poti-bilany hafa niparitaka tamin'ny tany"
Ireo mety ho heviny dia 1) "vilany tanimanga" na 2) "poti-bilany tanimanga izay vaky."
Mametraka io fanontaniana io Yaveh mba hibedesana ireo izay miady hevitra Aminy momba izay ataony. DH: "Tsy tokony hilaza amin'ny mpanefy vilany ny tanimanga...izany ny asanao!"'
Mbola manohy mibedy ireo izay miady hevitra Aminy momba izay ataony Yaveh.
Miresaka ireo izay hiady hevitra Aminy toy ny hoe zaza tsy mbola teraka nefa miady hevitra amin'ny ray aman-dreniny ihany Yaveh.
Mametraka ireo fanontaniana fampisainana ireo ny zaza mbola tsy teraka mba hibedesana ny ray aman-dreniny tamin'ny niterahana azy. Afaka adika ho fehezanteny ireo. DH: "Tsy tokony ho raiko ianao...Tsy tokony niteraka ahy ianao." na "Tsy tena niteraka ahy araka ny tokony ho izy ianao...Tsy namoaka ahy araka ny tokony ho izy ianao."
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io andianteny io.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo Yaveh mba hibedesana ireo izay miady hevitra Aminy momba izay ataony. DH: "Aza manontany Ahy momba izay ataoko ho an'ny zanako. Aza miteny Amiko...tanako."
Io dia manondro ny vahoakan'Israely.
Eto ny teny hoe "tanana" dia manambara an'i Yaveh. DH: "ireo zavatra izay nataoko"
Mbola manohy miteny Yaveh.
Eto ny teny hoe "tanana" dia manambara an'i Yaveh. DH: "Izaho no"
Ny fahariana ny lanitra sy ny tany dia resahin'i Yaveh toy ny hoe zavatra nenjanin'i Yaveh ireo. Jereo ny nandikanao ireo andianteny ireo ihany tao amin'ny 42:5.
Mbola manohy miteny Yaveh.
Eto ny teny hoe "fahamarinana" dia manondro ny asa marina. Ireo mety ho heviny dia 1) fa Yaveh no nanentana an'i Kyrosy mba hanao zavatra marina na 2) fa Yaveh no marina ka nanentana an'i Kyrosy.
Ny fanaovana an'i Kyrosy hiasa dia resahin'i Yaveh toy ny hoe namoha azy tamin'ny faharendrehany izany.
Ny fanalana ireo sakana sy fanaovana an'i Kyrosy hahomby dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nanao ny lalana izay andehanany ho malama Izy.
Io dia manondro an'i Jerosalema.
Eto ny teny hoe "vidy" sy "kolikoly" dia midika zavatra iray ihany. Tsy hanao ireo zavatra ireo nohon'ny tombotsoa ara-bola i Kyrosy. DH: "ary tsy hanao ireo zavatra ireo noho ny vola izy"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:9 io andianteny io.
DH: "Ny olon'i Egypta, Etiopia, ary ireo olon'i Seba lava ranjanana, dia hitondra eo aminao ny fidiram-bolan'izy ireo sy ny entam-barotr'izy ireo"
"Ny tombony izay azon'i Egypta"
Ireo dia olona avy amin'ny firenen'i Seba.
Eto ny hoe "aminao" dia manondro ny vahoakan'i Jerosalema.
Ireo andalana roa ireo dia midika zavatra iray ihany, ary ny faharoa dia manazava ny anton'ilay voalohany.
Ny teny hoe "menatra" sy "afa-baraka" dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry ny herin'ny fahamenarana. DH: "Hamela azy ireo ho menatra tanteraka ny sampin'izy ireo"
Ny fiainana ao amin'ny fahafaham-baraka hatrany hatrany dia resahina toy ny hoe fandehanana amin'ny fahafaham-baraka izany. DH: "ho afa-baraka hatrany hatrany"
DH: "Hanavotra ny vahoakan'Israely Yaveh"
Eto ny hoe "ianao" dia manondro ny vahoakan'Israely. Ny teny hoe "menatra" sy "afa-baraka" dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. DH: "Tsy misy hanala-baraka anareo intsony"
"tsy foana." Eto ny teny hoe "foana" dia manondro ny hoe tsy misy na inona na inona, toerana tsy mamokatra.
DH: "fa nataony mba ho azon'ny olona itoerana izany"
Mbola manohy miteny Yaveh.
Mbola manohy miteny Yaveh.
olona izay nandositra avy any amin'ny fonenan'izy ireo mba tsy hahazoan'ny fahavalo maka na mamono azy ireo.
Mbola manohy miresaka amin'ireo mpitsoa-ponenana Yaveh. (Jereo: 45:20)
Eto ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo mpitsoa-ponenana avy any amin'ireo firenena izay manompo sampy.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo Yaveh mba hanindriana fa Izy no Iray izay nilaza tamin'izy ireo fa hitranga izany zavatra izany. DH: "Hilaza aminareo Aho hoe iza no nilaza izany tany aloha be tany. Hilaza aminareo Aho hoe iza no nanambara izany. Izaho, Yaveh izany."
Mbola manohy miteny Yaveh.
DH: "Miverena Amiko ary hanavotra anareo Aho"
Ireo toerana eto an-tany izay tena lavitra dia resahina toy ny hoe toerana izay iafaran'ny tany. Io andianteny io ihany koa dia sarinteny ary manondro ny toerana rehetra anelanelan'ny farany. DH: "ireo toerana lavitra indrindra eto an-tany" na "ny tany manontolo"
Eto ireo andianteny ireo dia manambara ny olona izay mipetraka any amin'ireo "faran'ny tany." DH: "ianareo izay monina any amin'ireo toerana lavitra indrindra eto an-tany" na "ianareo rehetra izay mipetraka eto an-tany"
Ny teny hoe "lohalika" sy "lela" dia manambara ny olona. DH: "Ny olona rehetra dia handohalika eo anatrehako, ary ny olona rehetra dia hianiana"
Miteny ny olona rehetra eto an-tany.
Eto ny teny hoe "hanamarinana" dia tsy manondro an'i Yaveh hoe manala ny fahotan'izy ireo, fa ny fanaporofoana amin'ireo firenena fa nety ny nanompoan'ny Israely Azy. DH: "Hanamarina ireo taranak'Israely rehetra Yaveh"
1 Miankohoka i Bela, mitanondrika i Nebo; ireo sampin'izy ireo dia entin'ny biby fiompy sy biby folahina. Ireo sampy izay entinareo ireo dia enta-mavesatra ho an'ny biby reraka. 2 Miara-miondrika izy ireo, miara-mandohalika; ka tsy mahavonjy ny entany, ary izy ireo dia efa lasan-ko babo. 3 Henoy aho, ry taranak'i Jakoba, ry taranak'Israely sisa rehetra, izay efa nentiko mialohan'ny fahaterahanareo, efa nobabeko hatrany am-bohoka. 4 Eny na dia amin'ny taom-pahanteranareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-paha fotsy ny volonareo dia hitondra anareo Aho. Nahary anareo Aho ka hitrotro anareo; hitondra anareo Aho ary hanavotra anareo. 5 Amin'iza no hampitahainareo Ahy? Iza no heverinareo fa mitovy amiko, ka azo ampitahaina izahay? 6 Nandraraka volamena avy ao anaty kitapo ny vahoaka ary nandanja izany teo amin'ny mizana. Manakarama mpanefy vy izy ireo, ary manamboatra izany ho andriamaniatra izy, miankohoka sy manompo izany izy ireo. 7 Mampiakatra izany eo an-tsorony izy ireo ka mitondra izany, mametraka izany eo amin'ny toerany izy ireo, mijoro eo amin'ny toerany izany ary tsy mihetsika eo. Mitaraina amin'izany izy ireo, kanefa tsy afaka mamaly na mamonjy na iza na iza amin'ny lozany izany. 8 Hevero ny momba ireo zavatra ireo; aza tsinontsinoavina ireo, ry mpikomy! 9 Hevero ny momba ireo zavatra vao tsy ela, ireo tamin'ny fotoan-dasa, fa Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa, Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy na iza na iza mitovy amiko. 10 Ambarako any am-piandohana ny fiafarana, ary mialohan'izay mbola tsy niseho; Izaho manao hoe: "Ho tanteraka ny fikasako, ary hanao araka izay faniriako Aho." 11 Antsoiko avy any atsinana ny vorona mpiremby, ary ny olona voafidiko avy any amin'ny tany lavitra; eny, efa nolazaiko; ka ho tanterahiko; efa natolotro, ka hataoko ihany koa izany. 12 Mihainoa Ahy, ianareo ry vahoaka mafy hatoka, izay lavitry ny fanaovana ny mahitsy. 13 Mampanakaiky ny fahamarinako Aho; tsy lavitra izany, ary tsy miandry ny famonjeko; ary hanome ny famonjena ho an'i Ziona sy ny hatsarako ho an'i Israely Aho.
Ny fametrahan'ny olona ny sampin'i Bela sy Nebo tao anaty saretim-biby mba ho taterina dia resahin'i Isaia toy ny hoe natao mba "hiankohoka" sy "hitanondrika" ireo andriamanitra ireo. Ireo dia fihetsika midika fahafaham-baraka avokoa.
Ireo dia andriamanitra roa izay notompoin'ireo Babyloniana.
Ireo sampy izay nanambara an'i Bela sy Nebo
"Tsy nahavonjy ny entany i Bela sy Nebo"
Ny fitondran'ny olona ireo sampy ireo dia resahin'i Isaia toy ny hoe nentina ho babo ireo andriamani-tsy izy izay ambaran'izy ireo.
Eto ny hoe "Aho" dia manondro an'i Yaveh.
Ny firenen'Israely dia resahin'i Yaveh toy ny hoe olona, ary ny fiandohan'ny firenena toy ny hoe fahaterahany.
Ny fanampiana sy fanavotana ny vahoakan'Israely dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nilanja azy ireo Izy. DH: "izay nolanjaiko"
Ny firenen'Israely tratra antitra tokoa dia resahin'i Yaveh toy ny hoe olona antitra izay fotsy volo izany.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo Yaveh mba hanindriana fa tsy misy tahaka Azy. DH: "Tsy misy azo ampitahaina Amiko. Tsy mitovy na amin'iza na amin'iza Aho, ka tsy mety ampitahaina izahay."
DH: "ka ho azonareo ampitahaina izahay"
Ny hoe "izy ireo" dia manondro ny olona izay manao sampy ary ny hoe "izany" dia manondro ny sampy izay noforonin'izy ireo.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakany Yaveh.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakany Yaveh.
Io dia mamerina hevitra iray ihany amin'ny ankapobeny mba hanindriana. Ny matoanteny avy ao amin'ny andianteny voalohany dia azo anampiana ny faharoa. DH: "Ambarako any am-piandohana ny fiafarana, ary ambarako mialohan'izay mbola tsy niseho"
Kyrosy dia resahin'i Yaveh toy ny hoe "vorona mpiremby". Tahaka ny vorona izay misambotra malaky ny hazany, no hanatanterahan'i Kyrosy faingana ny tanjon'i Yaveh dia ny handresy ireo firenena izany.
Io dia mamerina hevitra iray ihany mba hanindriana.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ny olona mafy loha ka manao zavatra diso dia resahin'i Yaveh toy ny hoe lavitra azy ireo ara-batana ny manao ny mahitsy.
Ny famonjena ny vahoakany tsy ho ela dia resahin'i Yaveh toy ny hoe olona izay tsy miandry ny famonjeny. DH: "Tsy hiandry ny hamonjena anareo Aho"
1 Midìna ka mipetraha eo amin'ny vovoka, ry zanaka vavy virjinin'i Babylona; mipetraha eo amin'ny tany tsy misy fiandrianana, ry zanaka vavin'ny Kaldeana. Tsy ho antsoina hoe kanto sy marefo intsony ianareo. 2 Raiso ny fikosoham-bary ka mitotoa vary; esory ny voalinareo, esory ny akanjo lavanareo, aboridano ny tongotrareo, ka miampità ny renirano. 3 Hiseho ny fitanjahanareo, eny, ny henatrareo dia ho hita: hamaly faty Aho ary tsy hamindra fo amin'olona. 4 Ny Mpanavotra antsika, Yaveh tompon'ny maro no anarany, ilay Iray Masin'ny Israely. 5 Mitoera amin'ny mangina ary mandehana any amin'ny maizina, ry zanaka vavin'ny Kaldeana; fa ianareo dia tsy ho antsoina hoe andriam-bavin'ny fanjakana intsony. 6 Tezitra tamin'ny vahoakako Aho; nandoto ny lovako Aho ary nanome ireo ho eo an-tananareo, kanefa tsy naneho fiantrana tamin'izy ireo ianareo; nametraka zioga mavesatra tamin'ny antitra ianareo. 7 Hoy ianareo hoe: "Hanapaka mandrakizay tahaka ny fiandrianan'ny andriambavy aho." Tsy nandray ireo zavatra ireo tamin'ny fo ianareo, na nihevitra izay ho fivadihany. 8 Koa henoy izao ankehitriny, ianareo izay tia fahafinaretana sy mipetraka am-pilaminana; ianareo izay manao anakam-po hoe: "Misy aho, ary tsy misy tahaka ahy; tsy ho mananon-tena mihitsy aho, na hiaina ny fahaverezan-janaka mihitsy." 9 Fa ireto zavatra roa ireto dia ho avy tampoka aminareo ao anatin'ny iray andro: ho avy aminareo amin'ny fahafenoan-kery ny fahaverezan-janaka sy ny tsy fananam-bady intsony, na dia eo aza ny famosavianareo sy ireo fandraikiraikenareo ary ireo odinareo. 10 Nahatoky ny faharatsianareo ianareo; hoy ianareo hoe: "Tsy misy mahita ahy"; ny fahendrenareo sy ny fahaizanareo no mitarika anareo any amin'ny lalan-diso, fa hoy ianareo manao anakam-po hoe: "Misy aho ary tsy misy na iza na iza mitovy amiko." 11 Handresy anareo ny loza; tsy hahavita handroaka izany ianareo sy ny fandraikiraikenareo. Ho ao aminareo ny fahapotehana; tsy hahavita hamafa izany ianareo. Hamely tampoka anareo ny loza, mialohan'ny hahafantaranareo izany. 12 Mahareta amin'ny fanaovanareo fanozonana sy ny famosavianareo izay nataonareo tsianjery tamim-pahatokiana hatramin'ny fahazazanareo; mety hahomby ianareo, mety hatahotra loza ianareo. 13 Reraka ianareo nohon'ny fakan-kevitra; aoka hijoro ireo olona ireo ka hiaro anareo_ireo izay miandrandra ny lanitra sy mijery ny kintana, ireo izay manambara volana vaovao_aoka izy ireo hamonjy anareo amin'izay hiseho aminareo. 14 Indro, ho lasa mololo izy ireo. Handoro azy ireo ny afo. Tsy hahavonjy ny ainy eo an-tanan'ny lelan'afo izy ireo. Tsy hisy vain'afo hanafana azy ireo ary tsy hipetraka akaikin'ny afo izy ireo! 15 Izao no efa nahatonga azy ireo ho aminareo, ireo izay efa niara-niasa taminareo, ary niara-nividy sy niara-nivarotra taminareo fony tanora ianareo, ary izy rehetra dia mbola manao ny adalany ihany; ary rehefa miantso vonjy ianareo, dia tsy hisy na iza na iza afaka hamonjy anareo."
Amin'ity toko ity, dia miresaka an'i Babylona momba ny fianjerany toy ny hoe mpanjakavavy izay afa-baraka Yaveh.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny fipetrahana eo amin'ny vovoka dia mariky ny fahafaham-baraka.
Ireo andianteny ireo dia samy manondro ny tanàna, i Babylona, izay resahina toy ny hoe zanaka vavy avokoa. Ny tanàna hoe "zanaka vavy" dia manondro ny fiheveran'ny olona azy tam-pitiavana.
Eto ny hoe "fiandrianana" dia manondro ny fahefana mba hanapaka. DH: "tsy misy fahefana mba hanapaka"
DH: "Tsy hiantso anareo hoe marefo sy mihantahanta intsony ny olona"
Ireo teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Manoritsoritra ny iray izay tsara sy miaina ao amin'ny mihaja tokoa ireo. DH: "tena tsara" na "tena mihaja"
vato lehibe nampiasaina mba hitotoana vary
Mbola manohy miresaka an'i Babylona momba ny fianjerany toy ny hoe mpanjakavavy izay afa-baraka ihany Yaveh.
DH: "Hitanjaka ianareo"
Eto ny teny hoe "henatra" dia sarinteny hilazana ny faritra saro-pady. DH: "hahita ny henatrareo ny olona" na "hahita ny faritra saro-padinareo ny olona"
Ny hoe "antsika" dia manondro an'i Isaia sy ny vahoakan'Israely. Jereo ny nandikanao ny hoe "Mpanavotra" tao amin'ny 41:14.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:24 io andianteny io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 5:15 io andianteny io.
Io andianteny io dia manondro ny tanàna, i Babylona, izay resahina toy ny zanaka vavy. Ny tanàna hoe "zanaka vavy" dia manondro ny fiheveran'ireo Kaldeana azy am-pitiavana. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 47:1.
DH: "fa tsy hiantso anareo intsony ny olona hoe"
Babylona lasa renivohitry ny tanànan'ny fanjakana Babyloniana dia resahin'i Yaveh toy ny hoe mpanjakavavy izay nanapaka fanjakana maro izany.
Mbola manohy miresaka an'i Babylona momba ny fianjerany toy ny hoe mpanjakavavy izay afa-baraka ihany Yaveh.
Eto ny hoe "Aho" dia manondro an'i Yaveh.
Ny vahoakan'Israely izay fananany manokana dia resahin'i Yaveh toy ny hoe lovany izy ireo. DH: "Nandoto ny oloko, izay fananako manokana Aho"
Eto ny teny hoe "tanana" dia manambara ny fahefan'i Babylona na ny fifehezany. DH: "Nametraka azy ireo tao ambany fahefanareo Aho"
Ny fampijalian'ireo Babyloniana ny olona antitra dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nitondra ny antitra tahaka ny biby fiompy ary nametraka zioga mavesatra teo amin'ny hatony izy ireo.
Ny fanapahana hatrany eo amin'ireo firenena maro dia resahin'i Babylona toy ny hoe mpanjakavavy izay hanapaka mandrakizay izy.
Ny fiheverena tsara momba ny zavatra iray dia resahin'i Yaveh toy ny hoe fametrahana izany zavatra izany ao am-pon'ny olona. DH: "Tsy nihevitra ireo zavatra ireo ianareo"
Mbola manohy miresaka an'i Babylona momba ny fianjerany toy ny hoe mpanjakavavy izay afa-baraka ihany Yaveh.
"ianareo olona mihaja." Io dia manondro ireo mihaja maro izay tian'i Babylona.
Io dia manondro ny hevitry ny filaminana dison'i Babylona amin'ny fiheverana fa tsy ho very mihitsy ny toeran'ny hareny sy ny voninahiny. DH: "izay mihevitra fa milamina ianareo"
Ny finoan'i Babylona fa tsy hahavita handresy azy mihitsy ireo firenena dia resahina toy ny hoe tsy ho lasa mananon-tena mihitsy ary tsy ho maty anaka mihitsy izy.
"tsy hanjary ho mpitondratena mihitsy aho"
"tampoka amin'ny fotoana iray ihany"
Mbola manohy miresaka an'i Babylona momba ny fianjerany toy ny hoe mpanjakavavy izay afa-baraka ihany Yaveh.
Eto ny teny hoe "fo" dia manondro ny ao anatin'ny olona. DH: "hoy ianareo amin'ny tenanareo hoe"
Ny loza dia resahin'i Yaveh toy ny hoe olona izay mahazo an'i Babylona izany. DH: "Hiaina loza ianareo"
Babylona rava dia resahin'i Yaveh toy ny hoe zavatra izay mianjera amin'ny tanàna ny fahapotehana. DH: "Hiaina faharavana ianareo" na "Handrava anareo ny hafa"
Babylona miaina loza dia resahin'i Yaveh toy ny hoe olona izay mamely an'i Babylona ny loza. DH: "Hiaina loza ianareo"
Mbola manohy miresaka an'i Babylona momba ny fianjerany toy ny hoe mpanjakavavy izay afa-baraka ihany Yaveh.
Maneso an'i Babylona amin'ny filazana azy mba hanohy hanao ny famosaviany mba hanalana ireo zavatra ratsy Yaveh, nefa fantany fa tsy hanampy azy izany.
Mbola manohy miresaka an'i Babylona momba ny fianjerany toy ny hoe mpanjakavavy izay afa-baraka ihany Yaveh.
Mampitaha ireo mpanao ody sy ireo mpamosavy amin'ny mololo izay may faingana ao anaty afo Yaveh. Midika izany fa handringana azy ireo mora foana tahaka ny handoran'ny afo ny mololo Yaveh, ary mba ho tsy manan-kery hanavotra an'i Babylona ireo.
Eto ny hoe "tanana" dia manambara hery. DH: "ny herin'ny lelafo"
Manindry Yaveh fa afo mandringana izay tsy ilay iray izay hampiasain'ny olona hamindroana izany.
1 Mihainoa izao, ry taranak'i Jakoba, izay nantsoina tamin'ny anaran'ny Israely, ary izay avy tamin'ny ranon'ain'i Joda; ianao izay mianiana amin'ny anaran'i Yaveh sy mangataka ny Andriamanitry ny Israely, nefa tsy tamin-kitsimpo na fomba marina. 2 Fa miantso ny tenany ho vahoakan'ny tanàna masina izy ireo ary matoky an'Andriamanitry ny Israely. Yaveh Tompon'ny maro no anarany. 3 "Efa voalazako ny zavatra tamin'ny fahiny; naloaky ny vavako izy ireo, ary nampalaza azy ireo Aho; Ary tampoka no nanaovako azy ireo ary tonga mba andalo izy ireo. 4 Satria nahafantatra Aho fa be-dia-doha ianao, ny hozatry ny hatokao dia toy ny vy, ary ny handrinao dia toy ny varahina. Koa dia nambarako taminao mialoha izany zavatra izany, 5 mialohan'ny isehoan'izany dia efa nampilaza anao Aho, koa tsy tokony hiteny ianao hoe: 'ny sampiko no efa nanao azy ireo,' na 'ny sari-sokitro sy sarin-javatro an'idina no nandidy izany zavatra izany.' 6 Efa nandre izany zavatra izany ianao; jereo ny porofon'izany rehetra izany, ary ianao, tsy hanaiky ve ianao fa izay voalazako dia marina? Manomboka izao, mampiseho anao zava-baovao Aho, zava-miafina izay tsy mbola fantatrao. 7 Vao izao, ary tsy tamin'ny teo aloha, satria tonga izy ireo, ary talohan'ny androany dia tsy mbola naheno ny momba azy ireo ianao, koa tsy afaka ny hiteny ianao hoe, 'Eny, izaho mahafantatra azy ireo.' 8 Tsy mbola nahare mihintsy ianao; tsy nahalala ianao; izany zavatra izany dia tsy natao ho an'ny sofinao mialoha. Fa fantatro fa ianao dia tena mpamitaka, ary efa mpikomy hatrany an-kibo. 9 Fa nohon'ny anarako dia leferiko ny fahatezerako, ary nohon'ny voninahitro no hisalasalako ny amin'ny fandravana anao. 10 Indro, voadioko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; efa nanadio anao tao amin'ny lafaoron'ny fahoriana Aho. 11 Nohon'ny tenako, eny nohon'ny tenako no hanaovako izany; fa ahoana no amelako ny anarako ho fahafaham-baraka? Tsy homeko olon-kafa ny voninahitro. 12 Mihainoa ahy, ry Jakoba, sy ry Israely, izay nantsoiko: Izao no izy; Izaho no voalohany, ary Izaho ihany koa no farany. 13 Eny, ny tanako mametraka ny fanorenana eo amin'ny tany, ary ny tanan'ny olona marina hovelarina amin'ny lanitra; Rehefa miantso azy ireo Aho, dia miara-mitsangana izy ireo. 14 Mivoria ianareo, ianareo rehetra, ary mihainoa! Iza teo aminareo no efa nanambara izany zavatra izany? Izay tian'i Yaveh no hanatanteraka ny tanjony hanohitra an'i Babylona. Hanatanteraka izay tian'i Yaveh hanoherana ireo Kaldeana. 15 Izaho, efa niteny aho, eny, efa nampiantso azy Aho, efa nitondra azy Aho, ary hahomby izy. 16 Makanesa eto akaikiko, mihainoa izao: Hatrany am-piandohana no efa tsy nitenenako tamin'ny mangingina; rehefa miseho izany, dia eto Aho." Ankehitriny Yaveh Tompon'ny maro no naniraka ahy, ary ny Fanahiny. 17 Izao no nambaran'i Yaveh, mpanavotra anao, ilay Tokana Masin'ny Israely: "Izaho no Yaveh Andriamanitrao, izay mampianatra anao hahomby, izay mitarika anao amin'ny lalana izay tokony alehanao. 18 Raha mba efa nankatoa ny didiko ianao! Dia fiadananao sy fanambinanao no hikoriana toy ny ony, ary ny famonjenao dia toy ireo onjan-dranomasina. 19 Tsy ho hita isa toy ny fasika ireo taranakao, ary ny zanaka aloaky ny kibonao hitovy isa toy ny sombim-pasika; ny anaran'izy ireo dia tsy ho tapaka na ho foana avy eo anoloako. 20 Mivoaha hiala any Babylona! Mandosira ireo Kaldeana! Ambarao ami'ny feo hikiaka izany! Ataovy malaza izany, aelezo hatrany am-paran'ny tany izany! Lazao hoe: 'Efa nanavotra an'i Jakoba mpanompony i Yaveh,' 21 Tsy nangetaheta izy ireo raha noentiny tany an'efitra; nampikoriana ny rano avy tamin'ny vatolampy ho azy ireo izy; nampitresaka ny vatolampy izy, ary niboiboika ireo rano. 22 Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy-hoy Yaveh."
"Henoy ny hafatro." Miresaka Yaveh.
DH: "izay antsoin'ny olona rehetra hoe vahoakan'Israely"
Io andianteny io dia manindry fa taranak'i Joda mivantana, sy ara-batana izy ireo. DH: "taranak'i Joda"
"miantso an'Andriamanitr'Israely"
Io dia manondro ny vahoakan'Israely. DH: "miantso ny tenanareo ianareo"
Io dia manondro an'i Jerosalema.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:9 io andianteny io.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ny "vava" dia manondro ny olona miteny. DH: "Niteny ireo zavatra ireo Aho"
Mampitaha ny hamafin'ny hozatry ny hatok'izy ireo sy ny hamafin'ny handrin'izy ireo amin'ny hamafin'ny vy sy varahina Yaveh. Eto, ny hoe manana hatoka mafy na handrina mafy dia sarinteny izay midika fa mafy loha ny olona. DH: "Toy ny hoe vy ny hatokareo ary varahina ny lohanareo"
Io dia milaza zavatra iray indroa mba hanindriana.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hibedesana ny vahoakan'Israely tamin'ny tsy nanekena izay tokony ho fantatr'izy ireo fa marina. DH: "mafy loha ianareo ary tsy hanaiky fa marina izay nolazaiko."
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ny fanazavana zavatra dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nosokafana izany. Ny teny hoe "sofina" dia manambara ny olona izay mihaino. DH: "Tsy nanazava ireo zavatra ireo taminareo mialoha Aho"
Ny fiandohan'ny firenena dia resahin'i Yaveh toy ny hoe fahaterahana izany.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Eto ny teny hoe "anarana" dia manondro ny lazan'i Yaveh. DH: "Fa nohon'ny lazako dia tsy hampitaredretra ny hatezerako Aho"
Ity ampahana fehezanteny ity dia midika zavatra iray amin'ilay voalohany ihany amin'ny ankapobeny.
Ny fampiasana fahoriana mba hanadiovana ny vahoakany dia resahin'i Yaveh toy ny hoe vy sarobidy izy ireo ary lafaoro lehibe izay hanadiovana ireo ny fahoriana.
Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hanindriana fa tsy afaka hamela ny anarany ho alaim-baraka mihitsy Izy. DH: "fa tsy afaka ny hamela olona hanala-baraka ny anarako Aho."
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ireo dia samy manondro ny vahoakan'Israely avokoa.
Io andianteny io dia manindry ny maha-mandrakizay an'i Yaveh. Ireo mety ho heviny dia 1) "Izaho no ilay izay nanomboka ny zavatra rehetra, ary Izaho no ilay izay mamarana ny zavatra rehetra na 2) "Izaho no ilay izay velona mandrakariva, ary Izaho no ilay izay ho velona mandrakariva." Jereo ny nandikanao izany andianteny izany tao amin'ny 44:6.
Eto ny "tanana" dia manondro an'i Yaveh. DH: "Nametraka ny fanorenana ny tany Aho, ary mamelatra ny lanitra Aho"
Ny teny hoe "fanorenana'' amin'ny ara-dalàna dia manondro ny rafi-bato izay manohana ny trano avy a,ny ambany. Eto dia manoritsoritra ny rafitra izay natao hanohana sy hampipetraka ny tany amin'ny toerany ihany izany. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 24:17.
Ny faharian'i Yaveh ny lanitra sy ny tany dia resahin'ny mpaminany toy ny hoe zavatra nenjanin'i Yaveh ny lanitra sy ny tany. Jereo ny nandikanao izany andianteny izany ihany tao amin'ny 42:5.
Ny fitsanganana rehefa miantso Yaveh dia sarinteny hilazana ny hoe vonona ny hankatoa Azy. Ny tany sy ny lanitra dia resahin'i Yaveh toy ny hoe afaka mandre Azy sy mankatoa Azy ireo.
Ireo mety ho heviny dia 1) "rehefa miantso ny tany sy ny lanitra Aho" na 2) "rehefa miantso ny kintana eny amin'ny lanitra Aho."
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanindriana fa tsy nilaza tamin'izy ireo izany zavatra izany ny sampy. DH: "Tsy nisy tamin'ny sampinareo mba nilaza izany taminareo." (UDB)
Eto ny hoe "tian'i" dia manondro an'i Kyrosy. Ireo fehezanteny ireo dia midika zavatra iray ihany ary nampiasaina mba hanindriana.
"ny tanjon'i Yaveh"
DH: "Izaho mihitsy"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
DH: "Efa niteny mazava Aho"
Eto ny hoe "ahy" dia manondro ny mpanompon'i Yaveh izay tsy fantatra, mety ho Isaia na Kyrosy na ilay Mesia nampanantenaina izany.
Eto ny hoe "anao" dia manondro ny vahoakan'Israely.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 41:14 io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io.
Ny fampianaran'i Yaveh ny olona ny fomba tokony iainan'izy ireo dia resahina toy ny hoe nitarika azy ireo mba handeha amin'ny lala-marina Izy.
Manoritsoritra ny zavatra izay mety nitranga nefa tsy nitranga Yaveh.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Ny fiainan'ny Israely fitahiana be dia be dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nikoriana tahaka ny rano ireo fitahiana ireo.
Ny matoanteny dia afaka ampiana avy amin'ny andianteny teo aloha. DH: "hikoriana tahaka ny onjan-dranomasina ny famonjenao"
Mbola manohy manoritsoritra tranga misy petra-kevitry ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ireo dia samy midika fa hanan-taranaka maro noho izay azon'izy ireo isaina izy ireo.
Ny taranak'Israely dia resahin'i Yaveh toy ny hoe zaza izay ateraky ny firenena izy ireo.
Ny vahoakan'Israely noravaina dia resahina toy ny hoe nofongorina ny anaran'izy ireo, tahaka ny hanapahan'ny olona ny akanjo na nanapahana rantsana tamin'ny hazo, na namafana izany. DH: "Tsy hamongotra na hamono ny anaran'izy ireo Aho"
Eto ny teny hoe "anarana" dia manondro ireo taranaka izay hitondra ny anaran'Israely. DH: "izy ireo"
Ireo fiteny ao amin'ny lohahevitra ireo dia manondro ny fandringanana ny olona. DH: "nandringana"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ireo toerana eto an-tany izay tena lavitra dia resahina toy ny hoe toerana izay iafaran'ny tany. Io andianteny io ihany koa dia sarinteny ary manondro ny toerana rehetra anelanelan'ny farany. DH: "ireo toerana lavitra indrindra eto an-tany" na "ny tany manontolo"
Io dia manondro ireo taranak'i Jakoba. DH: "ny vahoakan'Israely, ireo mpanompony"
Io dia manondro ny tranga ao amin'ny tantaran'ny vahoakan'Israely fony nikarakara azy ireo Yaveh raha nipetraka tany an'efitra taorian'ny nandosirana tany Egypta izy ireo.
1 Mihainoa ahy, ianao ry nosy! Ankehitriny hevero aho, ianareo ry vahoaka alavitra. Efa nantsoin'i Yaveh hatramin'ny nahaterahako tamin'ny anarako aho, rehefa nitondra ahy hoe eto an-tany ny reniko. 2 Nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; nafeniny tao amin'ny aloky ny tanany aho; nataony toa ny zana-tsipìka voalangolango aho; tao an-tranon'ny zana-tsipìkany no nanafenany ahy. 3 Niteny tamiko izy hoe: "Ianao no mpanompoko, Israely, izay hanehoako ny voninahitro." 4 Fa namaly aho hoe: "Raha nihevitra aho hoe niasa tam-pikirizana, dia nandany ny heriko tamin'ny zava-poana aho, fa efa ao amin'ny Yaveh ny rariny izay ahy, ary ny valin'ny asako dia ao amin'Andriamananitro. 5 Ankehitriny Yaveh dia miteny_Izy ilay namorona ahy hatramin'ny nahaterahako ho mpanompony, mba hampiverina amin'ny laoniny indray an'i Jakoba ho azy tenany, ka hampitambatra ny Israely ho eo aminy, fa omem-boninahitra eo imason'i Yaveh aho, ary tonga heriko ny Andriamanitro_ 6 ary hoy Izy: "Zavatra kely aminao ny ho mpanompoko izay hanorina indray ny fokon'i Jakoba ary hampiverina ireo sisa tsy maty amin'ny Israely. Hanao ho fahazavana anao amin'ny Jentilisa Aho, ianao izay mety ho famonjeko any am-paran'ny tany." 7 Izao no lazain'i Yaveh, mpanavotra ny Israely, ilay Masiny Iray, amin'ny iray izay manana fiainana voatsinontsinona, halan'ireo firenena, ary andevon'ireo mpanapaka hoe: "Ho hitan'ny mpanjaka ianao ary hitsangana, Ary hahita anao ireo andriana ka hiankohoka, noho i Yaveh izay mahatoky, na dia ny Iray Masin'Israely, izay nifidy anao aza." 8 Izao no lazain'i Yaveh: "Amin'ny fotoana izay hanapahako hevitra hanehoako ny fankasitrahako dia hamaly anao Aho, ary amin'ny andron'ny famonjena dia hanampy anao Aho; hiaro anao Aho, ary hanome anao tahaka ny fanekena ho an'ny vahoaka, mba hanangana indray ny tany, mba hanendry indray ny lova efa lao. 9 Hiteny amin'ireo gadra ianao hoe: 'Manatona;' ireo izay ao anatin'ny trano-maizina hoe: "Asehoy ny tenanareo". Hihinana eny amin'ireo lalana izy ireo, ary ireo hantsana mangadihady rehetra dia ho ahitra ho azy ireo. 10 Tsy ho noana na hangetaheta; na hafana be na ho kapohin'ny masoandro izy ireo, fa Izy izay manana famindram-po amin'izy ireo no hitarika azy ireo; hitantana azy ireo ho any amin'ireo loharano izy. 11 Dia hanao ireo tendrombohitro rehetra ho lalana Aho, ary hanao ireo lalam-be hisandratra. 12 Indro, ho tonga avy any amin'ny alavitra izy ireo, ny sasany avy any amin'ny avaratra sy ny antsinanana; ary ireo sasany avy any amin'ny tanin'ny Sinima. 13 Mihirà, ry lanitra, ary mifalia, ry tany; mivakia amin'ny fihirana, ianareo ry tendrombohitra! Fa mankahery ny olony Andriamanitra, ary hanana fangoraham-po amin'ireo ory. 14 Fa i Ziona niteny hoe: "Nahafoy ahy Yaveh, ary nanadino ahy ny Tompo." 15 Moa ve ny reny hahavita hanadino ny zanany, izay minono eo an-tratrany, ka tsy hanana fangoraham-po amin'ny zanany lahy izay naterany? Eny, mety hanadino izy, fa Izaho tsy mba hanadino anao. 16 Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ny anaranao. eo anoloako foana ny mandanao. 17 Ny zanakareo dia mandeha faingana ao aoriana, raha mbola miala aminao ireo izay mpandringana anao. 18 Jereo ny manodidina ka mijere, miangona manodidina anao izy rehetra ary manatona anao. Raha mbola miaina tokoa Aho_izany no fanambaran'i Yaveh_Hiakanjo ireo tahaka ny firavaka tokoa ianao, ary hitafy azy ireo tahaka ny ampakarina ianao. 19 Fa very sy lao ianao, tany izay rava, ankehitriny dia ho kely indrindra ianao amin'ireo mponina, ary ireo izay nihinana anao dia hiala alavitra. 20 Ny zaza izay ho teraka mandritry ny fotoanan'ny alahelonao dia hibitsika eo an-tsofinao hoe: "Tery loatra ho anay ny toerana, manaova efitra ho anay, mba ahafahanay monina eto." 21 Dia hanontany tena ianao hoe: "Iza no niteraka ireto zaza ireto ho ahy? Fa momba sy nalahelo aho, sesitany ary nisaram-panambadiana. Iza no nanangana ireto ankizy ireto? Indro, navela irery tokoa aho; avy aiza no niavian'izany?"" 22 Izao no nolazain'i Yaveh Tompo hoe: "Indro, hanandratra ny tanako amin'ireo firenena Aho, hanandratra ny fanevako amin'ireo vahoaka Aho. Hitondra ireo zanaka lahinao eo an-tsandriny sy ireo zanaka vavinao eo an-tsorony izy ireo. 23 Ny mpanjaka no ho ray mpamelona anao, ary ireo mpanjakavaviny no ho mpifehy anao; hiankohoka miaraka amin'ny tavany amin'ny tany aminao izy ireo ary hamafa ny vovoka eo an-tongotrao; ary ho fantatrao fa Izaho no Yaveh; ireo izay niandry ahy dia tsy ho menatra." 24 Moa ve afaka alaina amin'ireo mpiady ireo voasambotra? na ireo babo ho voavonjy amin'ny mafy? [1]25 Fa izao no lazain'i Yaveh: "Eny, halaina amin'ny mpiady ireo babo, ary ho voavonjy ireo voasambotra; fa hanohitra ireo fahavalonao Aho ary hanavotra ireo zanakao. 26 Hofahanako ireo nofon'ny tenany ireo mpampahory anao; ary ho mamon'ny ran'ny tenany izy ireo, tahaka ny hoe raha divay izany. Dia ho fantatrin'ny olombelona rehetra fa Izaho, Yaveh, no Mpamonjy sy Mpanavotra anareo, ilay Iray Maherin'i Jakoba."
Eto ny hoe "ahy" dia manondro ny mpanompon'i Yaveh.
Io dia manondro ny olona izay monina ao amin'ireo nosy. DH: "ianareo izay monina ao amin'ireo nosy"
Eto ny teny hoe "vava" dia manambara ireo teny izay lazainy. Ny teniny dia ampitahaina amin'ny sabatra maranitra mba hanindriana fa hanan-kery tokoa ireo. DH: "Nataony manan-kery tahaka ny sabatra maranitra ny teniko"
Ny fiarovan'i Yaveh ny mpanompony sy ny fitanany ny tanjony tsiambaratelo dia resahina toy ny hoe nanisy aloka teo amboniny Yaveh.
Ny mpanompon'i Yaveh afaka manatanteraka ny tanjon'i Yaveh amin'ny fahombiazana dia resahina toy ny hoe tsipìka maranitra, vaovao ilay mpanompo.
Ny fiarovan'i Yaveh ny mpanompony sy ny fitanany ny tanjony tsiambaratelo dia resahina toy ny hoe nanafina azy tao amin'ny tranon'ny tsipìka Yaveh.
kitapo izay hitondrana ireo zana-tsipìka
Mbola manohy miteny ny mpanompon'i Yaveh.
"Hoy Yaveh"
"Ianao no mpanompoko, izay nantsoiko hoe Israely"
Mbola manohy miteny ny mpanompon'i Yaveh.
Io ampahana fehezanteny io dia midika zavatra mitovy amin'ny tapany talohan'izany ihany. DH: "mba hitondra ny vahoakan'Israely hiverina eo amin'ny tenany"
Eto ny hoe "maso" dia manambara ny eritreritra na ny hevitr'i Yaveh. DH: "Nanome voninahitra ahy Yaveh"
Ny fanomezan'Andriamanitra hery ilay mpanompo dia resahina toy ny hoe Andriamanitra mihitsy no heriny. DH: "Nanome hery ho ahy ny Andriamanitro" na "nampahery ahy ny Andriamanitro"
Ny fitondran'ilay mpanompo ny hafatr'i Yaveh ho an'ireo Jentilisa sy ny fanampiana azy ireo mba hahazo dia resahina toy ny hoe nataon'i Yaveh ho fahazavana izay manazava eo amin'ireo Jentilisa ilay mpanompo. Jereo ny fomba nandikanao izany andianteny izany tao amin'ny 42:5.
Ireo toerana eto an-tany izay tena lavitra dia resahina toy ny hoe toerana izay iafaran'ny tany. Io andianteny io ihany koa dia sarinteny ary manondro ny toerana rehetra anelanelan'ny farany. DH: "ireo toerana lavitra indrindra eto an-tany" na "ny tany manontolo"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 41:14 io.
Eto ny teny hoe "fiainana" dia manambara ilay olona. DH: "amin'ilay olona izay nataon'ny olona tsinontsinona, izay halan'ireo firenena ary notanana ho andevo"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io.
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny.
Eto ny hoe "anao" dia manondro ilay mpanompon'i Yaveh.
Eto ny teny hoe "andro" dia manondro fotoana miavaka fa tsy ny andro izay 24 ora. Ny teny hoe "famonjena" dia afaka adika ho matoanteny. DH: "rehefa tonga ny fotoana izay hamonjeko anareo"
Eto ny teny hoe "fanekena" dia sarinteny hilazana ny olona izay manorina na mandinika ny fanekena. Jereo ny nandikanao izany andianteny izany tao amin'ny 42:5. DH: "hanao anao ho mpanelanelana ny fanekena amin'ny vahoaka"
Eto ny teny hoe "tany" dia manambara ireo tanàna ao amin'ny tany izay rava. DH: "mba hanangana indray ireo toerana rava tao amin'ilay tany"
Ny tany dia resahin'i Yaveh toy ny hoe lova izay azon'ny vahoakan'Israely ho fananana maharitra izany. Mazava fa ilay mpanompo no hanendry indray ny tany ho an'ny vahoakan'Israely. DH: "mba hanendry indray ny tany lao ho an'ny vahoakan'Israely mba ho lovan'izy ireo"
Mbola manohy miteny ny mpanompon'i Yaveh.
Ny olona miaina an-kalalahana sy ambinina dia resahin'i Yaveh toy ny hoe ondry izay nanana firaofam-bilona feno ahitra hiraofana izy ireo.
Mbola manohy miteny Yaveh.
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Andriamanitra.
Eto ny teny hoe "hafanana" dia manoritsoritra ny teny hoe "masoandro". Ny olona mijaly nohon'ny hafanan'ny masoandro dia resahina toy ny hoe namely azy ireo ny hafanana. DH: "ary tsy hijaly nohon'ny hafanan'ny masoandro izy ireo"
Ny fiarovana ny vahoaka sy ny fiahiana azy ireo dia resahiny toy ny hoe mpiandry azy ireo Izy. DH: "Izaho, ilay iray izay manana famindram-po amin'izy ireo...hitarika azy ireo"
Ny fitarihana ny vahoakany am-pilaminana sy ny fanalana ireo sakana amin'ny lalan'izy ireo dia resahin'i Yaveh toy ny hoe namadika ireo tendrombohitra ho lalana ary nanarina ireo lalambe Izy.
Ny misy io toerana io dia tsy fantatra mazava, fa mety manondro faritany any amin'ny faritra atsimon'i Egypta izany.
Tsy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Isaia fa miresaka amin'ny lanitra, tany, ary ireo tendrombohitra toy ny hoe olona ireo.
Ny teny hoe "Ziona" dia anaran'i Jerosalema hafa. Ny tanàna dia resahin'i Isaia toy ny hoe vehivavy izay mitaraina fa nanadino azy Yaveh.
Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanampiana ny vahoakany hahatakatra fa tsy hanadino azy ireo mihitsy na hitsahatra tsy hiahy azy ireo Izy. DH: "Tsy hanadino ny zanany mbola minono na hijanona tsy hikararaka ny zaza naterany ny vehivavy iray.'
Mbola manohy miresaka amin'i Ziona Yaveh.
Ny tsy fanozongozona ny fanoloran-tenany ho an'i Ziona dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nanoratra ny anarany teo am-pelatanany Izy.
Ny fiheverana mandrakariva ny momba an'i Ziona dia resahin'i Yaveh toy ny hoe eo anoloana mandrakariva ny mandany. Ny teny hoe "manda" dia sarinteny hilazana ny tanàna. DH: "Mihevitra momba ireo mandanao hatrany Aho" na "Mihevitra momba anao hatrany Aho"
Ny olona izay miverina mipetraka any Jerosalema dia resahin'i Yaveh toy ny hoe tanànan'ny zanak'izy ireo izany. DH: "Miverina faingana ireo mponina ao aminao"
Io dia rijan-teny fianianana izay ampiasain'i Yaveh mba hanomezana antoka ny fahamarinan'izay lazainy.
Afaka soloina ny teny ka hambara amin'ny matoanteny hoe "manambara" na "milaza" ny anarana hoe "fanambarana". Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 14:21. DH: "izany no nambaran'i Yaveh" na "izany no nolazain'i Yaveh"
Ireo mponin'i Ziona dia resahin'i Yaveh toy ny hoe firavaka izay anaovan'ny tanàna mba hanehoana ny hatsarany sy ny hafaliana ireo.
Ny tapany faran'ny andianteny dia afaka azavaina amin'ny andalana teo aloha. DH: "hanao ireo, tahaka ny ampakarina manao firavaka ianareo"
Mbola manohy miresaka amin'i Ziona toy ny hoe vehivavy Yaveh.
Ny teny hoe "foana" sy "lao" dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa nandrava an'i Ziona ary namela izany ho foana ny fahavalo. DH: "Na dia lao tanteraka aza ianao"
Ny fandravan'ny fahavalo an'i Ziona dia resahina toy ny hoe nihinana izany izy ireo. DH: "ireo izay nandrava anao"
Ny fotoana izay naha-sesitany ny vahoakan'i Jerosalema dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nalahelo ny zanany ny tanàna. Ireo izay teraka raha mbola tany an-tsesitany ny vahoaka dia resahina toy ny hoe zanaky ny tanàna izy ireo. DH: "Ireo izay hampitoetra anao, izay teraka raha mbola tany an-tsesitany ny vahoaka"
Midika izany fa hisy olona maro be ka ho kely loatra ho azy ireo ny tanàna raha hipetrahana.
Mbola manohy miresaka amin'i Ziona toy ny hoe vehivavy Yaveh.
Ny vahoaka izay niverina nipetraka tany amin'ny tanàna dia resahin'i Ziona toy ny hoe zanany ireo olona ireo. Ny fanontanian'i Ziona dia manambara ny fahatairany fa zaza marobe no azy ankehitriny.
Manoritsoritra ny tenany toy ny vehivavy tsy afaka miteraka intsony i Ziona. Manondro ny antony mahagaga be azy izy.
"Nisaona noho ny zanako maty aho ary tsy nanana hafa intsony"
"Noroahina tsy nanambady aho"
Mbola mampiasa fanontaniana indray Ziona mba hanambarana ny fahatairany. DH: "Indro, tavela irery aho; ireo zaza rehetra izay tsy natsangako ireo dia tonga eto amiko ankehitriny."
Mbola manohy miresaka amin'i Ziona toy ny hoe vehivavy Yaveh. Manazava ny fomba hahazoany zaza maro be Izy.
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. DH: "Hanandratra ny tanako ary hanome famantarana amin'ny faneva ho an'ny olon'ireo firenena mba ho tonga Aho"
Ny vahoaka izay niverina nipetraka tany Jerosalema dia resahin'i Yaveh toy ny hoe zanaky ny tanàna izy ireo. Miresaka ny vahoakan'ireo firenena manampy ireo Israelita mba hiverina any Jerosalema toy ny hoe nilanja ireo Israelita ihany koa Izy.
Mbola manohy miresaka amin'i Ziona toy ny hoe vehivavy Yaveh.
Ny vahoaka izay nipetraka tany Ziona dia resahin'i Yaveh toy ny hoe zanaky ny tanàna izy ireo. Ny fiteny hoe "ray mpamelona" sy "mpifehy" dia manondro ireo lehilahy sy ireo vehivavy izay lasa tompon'andraikitra amin'ny fikarakarana zaza. DH: "Ireo mpanjaka sy mpanjakavavin'ny firenena hafa no hamatsy ny mponinao"
Ireo andianteny ireo dia manoritsoritra ireo fihetsika izay nampiasain'ny olona mba hanehoana fanekena tanteraka ny olona ambony.
Ireo mety ho heviny dia 1) io dia fiteny hanehoana fanekena izay ilelafan'ny olona ny vovoka amin'ny tongotry ny ambony na amin'ny tany amin'ny tongotry ny ambony na 2) io dia fomba fiteny izay manoritsoritra olona miankohoka eo anatrehan'ny olona ambony.
DH: "tsy ho afa-baraka" na "tsy ho diso fanantenana"
Mbola manohy miresaka amin'i Ziona toy ny hoe vehivavy Yaveh.
Mampiasa fanontaniana mba hanehoana ny hasarotry ny fakana zavatra amin'ny miaramila mahery na mpiady tena mahery Isaia. DH: "Tsy misy olona afaka maka ireo voasambotra amin'ny mpiady na manavotra ireo babo amin'ny hasiahan'ireo miaramila."
zavatra sarobidy nalaina tamin'ireo resy an'ady
Milaza Yaveh fa hanao izay tena tsy hain'ny olona atao Izy. DH: "Haka ireo babo amin'ny mpiady, sy hanavotra ireo voasambotra Aho"
Ny vahoaka izay nipetraka tany Ziona dia resahin'i Yaveh toy ny hoe zanaky ny tanàna izy ireo.
Mbola manohy miresaka amin'i Ziona toy ny hoe olona Yaveh.
Ireo mety ho heviny dia 1) ho noana tokoa ireo mpampahory ka hihinana ny nofon'ny naman'izy ireo izay maty izy ireo. DH: "Hataoko mihinana ny nofon'izy ireo ihany ireo mpampahory" na 2) Ireo mpampahory miady sy mamotika ny tenany dia resahin'i Yaveh toy ny hoe mihinana ny tenany izy ireo. DH: "Hataoko mamotika ny tenany ireo mpampahory anao, toy ny hoe mihinana ny nofony ihany izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) hangetaheta tokoa ireo mpampahory ka hisotro ny ràn'ireo namany izay maty ihany izy ireo. DH: "ary hisotro ny ràn'ireo namany izy ireo ka ho tahaka ny olona malemy izay mamon'ny divay izy ireo" na 2) Ireo mpampahory miady sy mamotika ny tenany dia resahin'i Yaveh toy ny hoe misotro ny ràny izy ireo. DH: "ary handatsaka ny ràn'ireo namany be dia be izy ireo mba ho toy ny hoe mamon'ny divay izy ireo"
1 Izao no lazain'i Yaveh: "Aiza ny fanamarinam-pisarahana izay nisarahako tamin'ny reninareo? Iza tamin'ireo mpampisambotra Ahy no nivarotako anareo? Indro, namidy ianareo noho ireo fahotanareo, ary noho ireo fikominareo, dia nalefa nandeha ny reninareo. 2 Nahoana Aho no tonga kanefa tsy nisy olona tany? Nahoana Aho no niantso kanefa tsy nisy namaly? Moa fohy loatra ny tanako mba hanavotra anareo? Moa ve tsy nanan-kery Aho mba hamonjy anareo? Indro, amin'ny fitenenako mafy no andritako ny ranomasina; hanao ireo ony ho efitra Aho; matin'ny tsy fisian-drano sy hetaheta ny hazan-dranony. 3 ampitafiako aizina ny habakabaka, lamba fisaonana no anaronako izany." 4 Ny Tompo Yaveh no efa nanome ahy lela tahaka ireo izay efa nampianarina, mba hitenenako teny mampahery ho an'ny reraka; mamoha ahy isa-maraina Izy; mamoha ny sofiko mba hiaino tahaka ireo efa nampianarina Izy. 5 Efa nanokatra ny sofiko Yaveh, ka dia tsy mba nikomy aho, na nihodina nankany aoriana. 6 Nomeko ho an'ireo izay namely ahy ny lamosiko, ary ny tarehiko ho an'ireo izay nanongotra ny volom-bavako; tsy nanafina ny tavako tamin'ireo fihetsika nahamenatra sy naharikoriko aho. 7 Fa ny Tompo Yaveh no hanampy ahy; noho izany dia tsy ho afa-baraka aho; koa dia efa nanao ny tarehiko ho afovato aho, satria fantatro fa tsy ho alàna baraka aho. 8 Izy izay hanamarina ahy dia eo akaikiko. Iza no hanohitra ahy? Andeha isika hitsangana ka hifanatrika. Iza no mpiampanga ahy? aoka izy hanakaiky ahy. 9 Indro, ny Tompo Yaveh no hanampy ahy. Iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ireo ho rovitra tahaka ny akanjo, ny kalalao no hihinana azy ireo. 10 Iza aminareo no matahotra an'i Yaveh? Iza no mankatò ny feon'ny mpanompony? Iza no mandeha amin'ny aizina lalina tsy misy fanilo? Tokony hatoky amin'ny anaran'i Yaveh izy ka hiantehitra amin'Andrimaniny. 11 Indro, ianareo rehetra izay mandrehitra afo; izay mivatsy fanilo; mandehana amin'ny hazavan'ny afonareo sy amin'ny afo izay efa narehitrareo. Izany no efa noraisinareo avy amiko, dia handrianareo eny amin'ny toeran'ny fanaintainana.
Ziona dia resahin'i Yaveh toy ny hoe renin'ny vahoaka izay nonina tao ny tanàna ary ny fandefasana ny vahoaka ho any an-tsesitany toy ny hoe nisaraka tamin'ny renin'izy ireo Izy.
Mametraka io fanontaniana fampisainana io Yaveh mba hamoaka ny "fanamarinam-pisarahana", izay hahatonga ny antony nandefasan'i Yaveh azy ireo ho any an-tsesitany ny vahoaka. DH: "Asehoy ahy ny fanamarinam-pisarahana izay nisarahako tamin'ny reninareo."
Mametraka io fanontaniana fampisainana io Yaveh mba hanindriana fa tsy nivarotra azy izy ireo Izy satria nananan'ny mpampisambotra vola Izy. Mazava fa izany no noheverin'ny olona. DH: "Tsy nivarotra anareo Aho satria nananan'ny olona vola."
Manome ny antony nandefasany ny vahoaka ho any an-tsesitany, izay resahiny toy ny hoe nivarotra azy ireo ary nisaraka tamin'ny renin'izy ireo Yaveh. DH: "Nivarotra anareo noho ny fahotanareo Aho, ary nisaraka tamin-dreninareo noho ny fikomianareo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanindriana fa olona izay tany an-tsesitany dia tsy namaly Azy, nefa tsy hoe satria tsy te hanavotra azy ireo Izy. DH: "Rehefa tonga ianareo, dia tokony ho teo, nefa tsy teo ianareo. Rehefa niantso anareo Aho, dia tokony namaly ianareo, nefa tsy namaly ianareo." na "Rehefa tonga mba hiresaka aminareo Aho, dia tsy namaly Ahy ianareo."
Mampiasa ireo fanontaniana mitovy ireo Yaveh mba hibedesana ny olona tamin'ny finoana fa tsy dia nahery loatra ny hanavotra azy ireo Izy. DH: "Tsy fohy tokoa ny tanako ka tsy hahavonjy anareo, ary nanana hery mba hanavotana anareo Aho!" na "Manana hery hanavotana anareo amin'ireo fahavalonareo tokoa Aho."
Eto ny teny hoe "tanana" dia manambara ny fahefan'i Yaveh. Ny tsy fahatanjahan'i Yaveh dia resahina toy ny hoe fohy ny tanany. DH: "Moa ve tsy dia mahery loatra Aho"
Ny fanamainana ny ony dia resahina toy ny hoe nanova ireo ho efitra Izy. DH: "Nataoko ho maina tahaka ny efitra ny ony"
Ny hoe "-ny" dia manondro ny ranomasina sy ny ony.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny fanamaizinana ny lanitra dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nampitafy lamba fisaonana izany Izy. DH: "Nataoko maizina ny lanitra, toy ny hoe nanao lamba fisaonana izany"
Manomboka miteny ny mpanompon'i Yaveh.
Ny teny hoe "lela" dia manambara izay lazainy. Ireo mety ho heviny dia 1) namela azy hiteny tahaka ny olona izay nianatra niteny amin'ny fahaizana tokoa Yaveh. DH: "Namela ahy ho lasa mpiteny tena mahay ny Tompo Yaveh" na 2) nampianatra ahy izay ho lazaina Yaveh. DH: "namela ahy hiteny izay nampianariny ahy ny Tompo Yaveh"
Eto ny hoe "sofina" dia manondro ilay mpanompon'i Yaveh. Ny famelan'i Yaveh azy mba handre sy hahatakatra izay ampianarin'i Yaveh azy dia resahina toy ny hoe namoha ny sofiny tamin'ny torimaso Yaveh. DH: "namela ahy hahatakatra izay lazainy Izy"
Mampitaha ny tenany amin'ny mpianatra izay mianatra amin'ny mpampianany ilay mpanompo. Ireo mety ho heviny dia 1) "tahaka ny olona izay mianatra amin'ny mpampianany" na 2) "tahaka ny olona izay nampianariny"
Mbola manohy miteny ny mpanompon'i Yaveh.
Ny famelan'i Yaveh ny mpanompony mba handre sy hahatakatra dia resahina toy ny hoe nanokatra ny sofiny Yaveh. DH: "Namela ahy handre sy hahatakatra Azy ny Tompo Yaveh"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny tsy fankatoavana izay lazain'i Yaveh dia resahina toy ny hoe nihemotra izany. DH: "ary nankatoa izay nolazainy aho"
Ny famelana ny olona hikapoka azy sy hanongotra ny volom-bavany dia resahina toy ny hoe nanome ny lamosiny sy ny takolany ho azy ireo izy. DH: "Navelako hamely ahy ao amin'ny lamosiko sy hanendaka ny volom-bavako teo amin'ny takolako aho"
Ny hoe manafina ny tavan'olona dia midika hoe miaro tena. DH: "Tsy niaro ny tenako aho rehefa naneso ahy sy nandrora ahy izy ireo"
Mbola manohy miteny ny mpanompon'i Yaveh.
Na dia nampijaliana aza ilay mpanompo, dia tsy ho menatra izy satria nankatoa an'i Yaveh. DH: "noho izany dia tsy ho menatra aho"
Eto ny hoe "tarehy" dia manondro ilay mpanompo. Ilay mpanompo voatendry mafy hankatoa an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mafy tahaka ny afovato ny tarehiny. DH: "koa tena voatendry tokoa aho"
Mijery ny hoavy am-pahatokiana, am-pilaminana amin'ny antson'i Yaveh ilay mpanompo. DH: "satria fantatro fa tsy hahavita hanala baraka ahy ireo fahavaloko"
Mbola manohy miteny ny mpanompon'i Yaveh.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo ilay mpanompo mba hanindriana fa tsy misy afaka miampanga azy amin'ny ara-dalàna amin'ny fanaovan-dratsy. DH: "Raha misy olona hanohitra ahy, andeha isika hitsangana...Raha misy olona hiampanga ahy, aoka izy ho tonga"
Mampiasa io fanontaniana io ilay mpanompo mba hilazana fa tsy misy olona afaka milaza fa meloka izy. DH: "Tsy misy olona izay afaka milaza fa meloka aho."
Ny hoe tsy misy olona tavela mba hiampanga ilay mpanompo ho meloka dia resahina toy ny hoe akanjo manify izay anaovana ary lanin'ny kalalao ireo mpiampanga.
Mbola manohy miteny amin'ny vahoakan'Israely ny mpanompon'i Yaveh.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo ilay mpanompo mba hamantarana ireo izay iresahany. DH: "Raha misy olona matahotra an'i Yaveh eo aminareo ary mankatoa ny feon'ny mpanompony, nefa mandeha ao amin'ny aizina lalina tsy misy fanilo, dia tokony...Andrimaniny."
Eto ny teny hoe "feo" dia manambara izay lazain'ilay mpanompo. DH: "mankatoa ny mpanompony"
Ny olona izay nijaly sy nahatsapa ho tsy afa-manoatra dia resahin'ilay mpanompo toy ny hoe mandeha amin'ny toerana tena maizina izy ireo. DH: "mijaly sy mahatsapa ho tsy misy mpamonjy"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Eto ny teny hoe "anarana" dia manambara an'i Yaveh mihitsy. Ny fahatokiana an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe fianteherana Aminy. DH: "matoky an'i Yaveh, Andriamaniny"
Ity dia manohy ny sarinteny tao amin'ny andininy teo aloha izay milaza ny olona mandeha ao anaty aizina. Eto ny olona izay miezaka miaina araka ny fahendren'izy ireo ihany fa tsy matoky an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mandrehitra ny afony sy mitondra fanilo mba hahita ao anaty aizina izy ireo.
Eto ny hoe "mandry" dia manondro ny fahafatesana. Ny fahafatesana feno fanaintainana dia resahina toy ny hoe mandry amin'ny toerana izay hiainan'izy ireo fanaintainana izy ireo. DH: "ho faty amin'ny fijaliana be ianareo"
1 Mihainoa Ahy, ianareo izay manaraka ny fahamarinana, ianareo izay mitady an'i Yaveh: jereo ny vatolampy izay nanesorana anareo sy ny fihadiam-bato izay nanalana anareo. 2 Jereo Abrahama, rainareo, sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia niantso azy Aho. Nitahy azy Aho ary nahamaro azy. 3 Eny, Yaveh no hampionona an'i Ziona; hampionona ireo toerany banga Izy; ny tany efiny nataony tahaka an'i Edena, ny tany karakainany eo anilan'ny Ony Lohasahan'i Jordana ho toy ny zaridainan'i Yaveh; faharavoravoana sy fifaliana no hita ao aminy, fisaorana, ary feon'ny fihirana. 4 "Mifantoha amiko, ry vahoakako; ary mihainoa Ahy ry vahoakako! Fa hamoaka didy Aho, ary hataoko ho fahazavana ho an'ny firenena rehetra ny fahamarinako. 5 Akaiky ny fahamarinako; hivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ireo firenena; ireo tany amoron-tsiraka dia hiandry Ahy; fa ny sandriko no endrasan'izy ireo fatratra. 6 Andrandrao eny amin'ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany, fa ho levona toy ny setroka ny lanitra, ny tany ho voritra tahaka ny akanjo, ary ny mponina eo amin'izany ho faty toy ny lalitra. Fa ny famonjeko dia haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako dia tsy hitsahatra hiasa. 7 Mihainoa Ahy, ianareo izay mahalala ny marina, ianareo vahoaka izay manana ny lalako ao am-ponareo: "Aza matahotra ny faniratsiran'ny olona na kivy amin'ny fanararaotany. 8 Fa ny kalalao hihinana azy ireo toy ny akanjo, ary ny kankana hihinana azy ireo toy ny volon'ondry; fa ho mandrakizay ny fahamarinako, ary ho an'ny taranaka rehetra ny famonjeko." 9 Mifohaza, mifohaza, tafio hery ny tenanareo, dia ny sandrin'i Yaveh. Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny, ny taranaka tamin'ny fotoana fahiny. Tsy ianao ve no nanitsakitsaka an-dRahaba, ianao izay nandefona ilay dragona? 10 Tsy Ianao ve no nandritra ny ranomasina, ny ranon'ny lalina indrindra, ary manao ny fanambanin'ny ranomasina ho lalam-pamonjena mba handalovana? 11 Ny navotan'i Yaveh dia hiverina ary hankany Ziona amin'ny hiakiam-piravoravoana sy am-pifaliana mandrakizay eo amin'ny lohan'izy ireo; ary ny fifaliana sy faharavoravoana hameno azy ireo, ka handositra azy ireo ny alahelo sy ny fisaonana. 12 "Izaho dia Izaho no ilay mampionona anao. Inona no hatahoranao ny olona, izay ho faty, ny zanak'olombelona izay natao toy ny ahitra? 13 Nahoana no nanadino an'i Yaveh izay mpahary anao ianao, izay naninjitra ny lanitra sy nametraka ny fanambanin'ny tany? Miaina amin'ny tahotra lalandava ianao isan'andro nohon'ny firehetan'ny fahatezeran'ny mpampahory raha tapa-kevitra ny handringana izy. Aiza ny fahatezeran'ny mpampahory? 14 Izay mitanondrika, ho avy faingana hanafaka i Yaveh; tsy ho faty ary tsy handeha hidina any an-davaka, na tsy hanana mofo izy. 15 Fa Izaho no Yaveh Andriamanitrao, izay mampanonja ny ranomasina mba hampierona ny onjan'izany_ Yaveh Tompon'ny maro no Anarany. 16 Efa nametraka teo am-bavanao ireo teniko, ary nanarona anao tao amin'ny aloky ny tanako Aho, mba hahafahako manorina ny lanitra, sy mametraka ny fanambanin'ny tany, ka hiteny amin'ny Ziona hoe: 'Vahoakako ianao."' 17 Mifohaza, mifohaza, mitsangàna, ry Jerosalema, ianao izay efa nisotro tamin'ny tanan'i Yaveh avy tamin'ny lovian'ny fahatezerany; ianao izay efa nisotro tamin'ny lovia, hatreny amin'ny faikany ambany amin'ny kapoakan'ny fivembenana. 18 Tsy misy tamin'ireo zanany lahy rehetra izay naterany mba hitarika azy; tsy misy tamin'ireo zanany lahy izay natsangany mba hitantana azy. 19 Mitranga aminao ireo olana roa ireo_ iza no alahelo iaraka aminao? _ faharavana sy fandringanana, ary ny mosary sy ny sabatra. Iza no hampionona anao? [1]20 Efa reraka ireo zanakao lahy; lavo eny anjoron-dalam-be rehetra eny izy ireo, toy ny diera ao anaty harato; mameno azy ireo ny fahaviniran'i Yaveh, ny teny mafin'Andriamanitrao. 21 Fa ankehitriny henoy izao, ianao izay nampahoriana sy nomamoina, nefa tsy mamon-divay: 22 Yaveh Tomponao, Andriamanitrao, izay mandahatra ny manjo ny olony, miteny hoe: "Indro, efa nesoriko teo an-tananao ny kapoakan'ny fivembenana_ ny lovia, izay kapoakin'ny fahatezerako_ mba tsy hisotronao izany intsony. 23 Hataoko eo an-tanan'ny mpanenjika anao izany, izay efa niteny taminao hoe: "Mitsilania mba hahafahanay manitsakitsaka anao'; nataonao ho toy ny tany sy toy ny lalana handehanan'izy ireo ny lamosinao.
Eto ny teny hoe "Ahy" dia manondro an'i Yaveh.
Ny fijerena zavatra dia manambara ny fiheverana ny momba izany. DH: "hevero ny momba ny vatolampy...sy ny fihadiam-bato"
Ny firenen'Israely dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe trano izay vita tamin'ny vato izany ary toy ny hoe vatolampy sy fihadiam-bato izay nanapahan'Andriamanitra ireo razambeny. Afaka ambara mazava izany. DH: "ny razambenareo, izay tahaka ny vatolampy izay nanapahana anareo sy ny fihadiam-bato izay nanapahana anareo"
DH: "ny vatolampy izay nanapahako anareo"
"notapahana tamin'ny hety" na "notapahina"
DH: "ny fihadiam-bato izay nanapahana anareo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ny razamben'izy ireo dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe rain'izy ireo. DH: "Abrahama, razambenareo"
Ny vadin'i Abrahama dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe renin'izy ireo ary niteraka azy ireo. DH: "Ny vadin'i Abrahama, dia Saraha, izay taranany avokoa ianareo rehetra"
Izany dia midika hoe fony tsy mbola niteraka izy. Afaka ambara mazava izany. DH: "fony tsy mbola nanan-janaka izy"
Ireo taranak'i Abrahama maro be dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe maro i Abrahama. DH: "nahamaro ireo taranany" na "nataony nanan-taranaka maro izy"
Ny tanànan'i Ziona, izay antsoina ihany koa hoe Jerosalema, eto dia manambara ny vahoakan'i Ziona. DH: "hampionona ny vahoakan'i Ziona Yaveh"
"hampionona ny vahoaka izay monina ao amin'ireo toerany foana Izy"
Ny hoe "-ny" dia manondro an'i Ziona. Ny tanàna matetika dia resahina toy ny hoe vehivavy.
toerana izay noravana
Ireo andianteny ireo dia midika fa hataon'i Yaveh ho tsara tarehy ireo toerana foana. Amin'ny faminaniana, ireo tranga izay hitranga amin'ny hoavy matetika dia soritsoritana toy ny hoe efa tany aloha. Io dia manindry fa hitranga tokoa ireo. DH: "hanao ny efiny ho tahaka ny Edena sy ny tany lemaka...toy ny zaridainan'i Yaveh
Ny faharavoravoana sy fifaliana dia midika zavatra iray ihany. Ny hoe hita ao dia manambara ny hoe tao. DH: "hisy faharavoravoana sy fifaliana indray ao Ziona"
Miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Ireo miaraka dia manamafy ny baiko hoe mihainoa.
Eto ny fahamarinan'Andriamanitra dia manambara ny lalàny, ary ny fahazavana dia manambara ny fahaizana izay tsara. Midika izany fa hahatakatra sy hankatoa ny lalàn'Andriamanitra ny olon'ireo firenena. DH: "hampianatra ireo firenena ny amin'izay marina ny lalàko" na "hahalala ny lalàko ireo firenena"
Ny hevitry ny hoe "akaiky" dia hoe "tsy ho ela." Ny fahamarinan'Andriamanitra akaiky dia manambara ny fanehoana ny fahamarinany tsy ho ela. Hanao izany amin'ny fanatanterahana ireo fampanantenany sy fanavotana ny olona Izy. DH: "Haneho ny fahamarinako tsy ho ela Aho"
Ny fanavotana ny vahoaka dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe zavatra izay afaka mivoaka amin'izy ireo ny famonjeny. DH: "Hanavotra ny olona Aho"
Eto ny sandrin'Andriamanitra dia manambara ny fahefany, ary ny fitsarana dia manambara ny fanapahana. DH: "Hanapaka ireo firenena amin'ny fahefako Aho"
Io dia manondro ny olona izay mipetraka ao amin'ireo tany lavitra amoron'ny ranomasina. DH: "ny olona izay mipetraka ao amin'ireo tany amoron-tsiraka" na "ireo olona izay ireo tany amoron'ny ranomasina"
Eto ny sandrin'Andriamanitra dia manambara izay ho ataony. Eto dia manondro Azy manavotra ny olona izany. DH: "hiandry fatratra Ahy mba hanavotra azy ireo izy ireo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ny fanopazana ny maso dia manambara ny fijerena zavatra ambony. DH: "Mijere ambony any amin'ny lanitra"
Ireo rehetra ireo dia manondro ireo zavatra izay manjavona faingana sy mora foana na lasa tsy misy ilana azy.
Ny famonjen'Andriamanitra eto dia manambara ny vokatry ny famonjeny, izay fahafahana izany. DH: "Hanavotra anareo Aho, dia ho afaka mandrakizay ianareo"
Ny fahamarinan'Andriamanitra eto dia manambara Azy manapaka am-pahamarinana. DH: "ny fanapahako marina dia tsy hifarana mandrakizay" na "hanapaka am-pahamarinana mandrakizay Aho"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ny fananana ny lalàn'Andriamanitra ao am-po dia manambara ny fahafantarana ny lalàn'Andriamanitra sy ny fitiavana hankatoa izany. DH: "izay mahafantatra sy hanome voninahitra ny lalàko"
DH: "ary aza kivy rehefa mandratra anareo izy ireo"
Ny olona izay manararaotra ireo izay marina dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe akanjo volon'ondry izy ireo ary izy ireo rava toy ny hoe nihinana azy ireo ny bibikely.
Ny "fahamarinan'Andriamanitra" eto dia manambara Azy manapaka amin'ny fahamarinana. DH: "ho mandrakizay ny fanapahako marina" na "hanapaka am-pahamarinana mandrakizay Aho"
Ny "famonjen'Andriamanitra" eto dia manambara ny vokatry ny famonjeny, izay fahafahana izany. Ny hoe "ho an'ny taranaka rehetra" dia manambara ny faharetana mandrakizay. DH: "Hanavotra anareo Aho, ary ho afaka mandrakizay ianareo"
Ny fangatahan'ny olona faingana ny sandrin'i Yaveh mba hamonjy azy ireo dia resahina toy ny hoe olona ny sandriny. DH: "Mifohaza, mifohaza, ry Yaveh, ary tafio hery ny sandrinao"
Resahin'ny olona toy ny hoe natory ny sandrin'i Yaveh satria tsy nanampy azy ireo izany. Tian'izy ireo hamonjy azy ireo izany. Ny teny hoe "mifohaza" dia naverina mba hanehoana fa nila ny fanampian'Andriamanitra maika izy ireo.
Ny hery dia resahina toy ny hoe karazan'akanjo izay hanaovan'ny olona mba hanamafy ny tenan'izy ireo amin'ny ady. DH: "amafiso ny tenanareo"
Mampiasa fanontaniana ny olona miteny mba hanindriana ny herin'i Yaveh mba hanao zavatra mafy. DH: "Ianao no nanitsakitsaka an-dRahaba, Ianao no nandefona ilay dragona
Ireo dia samy midika zavatra iray ihany. Manondro an-drahaba, bibilava angano izay miaina any an-dranomasina, izay mety amantarana ny firenen'i Egypta na amantarana ny ratsy sy korontana izany.
Mbola mampiasa fanontaniana indray ny olona miteny mba hanindriana ny herin'i Yaveh mba hanao zavatra mafy. Io dia manondro an'i Yaveh manokatra ny Ranomasina Mena ho an'ireo Israelita mba hiampitana sy handosirana ny tafik'i Egypta. DH: "Nandritra ny ranomasina Ianao....mba handalovan'ny navotana.''
Ity dia tena mitovy amin'ny 35:10.
Io dia manondro ny vahoaka izay navotan'i Yaveh. DH: "Ireo izay navotan'i Yaveh"
Io dia mampiasa lohan'olona mba hilazana ilay olona manontolo. DH: "ho ravoravo mandrakizay izy ireo"
Ny teny hoe "firavoravoana" sy "fifaliana" dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny, tahaka ny "alahelo" sy "fisaonana" ihany koa. Ireo miaraka dia manindry ny herin'ireo fihetseham-po ireo.
Io dia miresaka ny olona izay safotry ny hafaliana sy haravoana amin'ny fanehoana ireo fihetseham-pon'ny toetran'olombelona izay afaka mahazo ny olona ireo. DH: "ho safotry ny hafaliana sy haravoana izy ireo" na "ho ravo sy ho faly tanteraka izy ireo"
Io dia miresaka ny olona izay tsy malahelo sy misaona intsony amin'ny filazana ireo fihetseham-po ireo toy ny hoe afaka mandositra. DH: "tsy halahelo sy hisaona intsony izy ireo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ny teny hoe "Izaho" dia naverina mba hanindriana. Raha tsy mety amin'ny fiteninao izany, dia tsy ilaina averina ny famerenana ilay teny. DH: "Izaho no"
Io fanontaniana fampisainana io dia manindry fa ny olona izay manana ny fiarovan'ny Tompo dia tsy tokony hatahotra olombelona intsony. Afaka soratana ho fehezanteny izany. DH: "Aza matahotra olona...toy ny ahitra."
Io andianteny io dia mampitaha ny olona amin'ny ahitra mba hanindriana fa fohy ny fiainan'izy ireo ary maty faingana izy ireo. DH: "izay miaina sy maty faingana tahaka ny ahitra" na "izay halazo sy hanjavona tahaka ny ahitra" (UDB)
DH: "izay tahaka ny"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hanindriana fa tsy tokony hanadino an'i Yaveh izy ireo. Mety soratana ho fehezanteny izany. DH: "Tsy tokony manadino an'i Yaveh ianao...ny tany."
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 17:6 io anaran'i Yaveh io.
Io dia miresaka an'i Yaveh nahary ny lanitra toy ny hoe namelatra izany tahaka ny famelarana lamba lehibe Izy. DH: "izay namelatra ny lanitra tahaka ny lamba"
Ny teny hoe "fanorenana'' amin'ny ara-dalàna dia manondro ny rafi-bato izay manohana ny trano avy ambany. Eto dia manoritsoritra ny rafitra izay natao hanohana sy hampipetraka ny tany amin'ny toerany ihany izany. Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 24:17 ihany io andianteny io.
"ny firehetan'ny fahatezeran'ny mpampahory rehefa manapa-kevitra ny hahatonga faharinganana izy"
Eto ny teny hoe "firehetana" dia midika hoe "mahery" na "lehibe". DH: "ny hatezerana lehibe"
Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hanindriana fa tsy tokony hatahotra ireo izay te ampahory azy ireo izy ireo. Tsy hampatahotra azy ireo intsony ny mpampahory azy ireo. Afaka soratana ho fehezanteny izany. DH: "Tsy fampitahorana ny fahatezeran'ny mpampahory!"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Io dia manondro ny vahoakan'Israely izay andevon'ireo Babyloniana. Io andianteny io dia manoritsoritra ny fomba fiasan'izy ireo. DH: "Ny andevo"
Io dia manondro ny Fiainan-tsy hita. DH: "ny lavaky ny Fiainan-tsy hita" na "ny fasana"
Eto ny "mofo" dia manambara ny sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "ary hisy sakafo foana izy"
Io dia miresaka an'i Yaveh mahatonga ny ranomasina hihetsika ary ny onja hiainga sy hianjera toy ny hoe nanontsana ny ranomasina toy ny olona izay manontsana rano anaty lovia jobo amin'ny sotro lehibe Izy. DH: "izay mahatonga ny ranomasina hiontsakontsana" na "izay mahatonga ny ranomasina hihetsika ambony ambany"
Ny fierona dia feo mahery, mafy izay ataon'ny zavatra miaina iray, toy ny bera na liona. Eto ny onja dia soritsoritana toy ny hoe mamoaka izany feo mafy izany. DH: "mihiaka mafy ny onjany"
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:9 io anaran'i Yaveh io.
Io dia miresaka an'i Yaveh milaza amin'Isaia izay holazaina toy ny hoe zavatra izay azo tsapain-tanana izay napetrak'i Yaveh tao am-bavan'i Isaia ny teniny. DH: "Efa nolazaiko anao izay holazaina"
Ny "tanan'i Yaveh" dia manondro ny heriny. Io dia miresaka an'i Yaveh miaro an'i Isaia toy ny hoe manarona azy mba hiaro azy ny tanany. DH: "ny heriko no niaro anao" na "niaro anao Aho"
Ny teny hoe "manorina" dia midika hoe mametraka zavatra eo amin'ny tany. Eto ny fanorenan'i Yaveh mafy ny lanitra dia resahina toy ny hoe lay izay azo avelatra sy apetraka mafy eo amin'ny toerany amin'ny fihazonana ny lay ny lanitra. DH: "mba ahafahako mametraka ny lanitra"
Ny teny hoe "fanorenana'' amin'ny ara-dalàna dia manondro ny rafi-bato izay manohana ny trano avy ambany. Eto dia manoritsoritra ny rafitra izay natao hanohana sy hampipetraka ny tany amin'ny toerany ihany izany. Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 24:17 ihany io andianteny io.
Eto "Jerosalema" dia manambara ny olona izay monina ao. Miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema toy ny hoe nihaino Azy Yaveh. DH: "Mifohaza, mifohaza, mitsangàna, ry vahoakan'i Jerosalema"
"Aoka ho taitra ary mitsangàna." Ny famerenana ny teny hoe "mifohaza" dia manindry ny hamehan'ny antso mba hitsangan'ny vahoakan'Israely. Tsy natao mba hampifoha azy ireo amin'ny torimaso ara-bakiteny anefa io.
Ny fanasaziana ny vahoakany dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nanery azy ireo mba hisotro amin'ny lovia jobo izay feno ny hatezerany Izy. Ary rehefa nisotro tamin'ny lovia jobon'ny hatezerany izy ireo, dia nivembena toy ny hoe nisotro divay be loatra.
Ny teny hoe "faikany" dia milaza ilay potin-javatra amin'ny vodin'ny fitoeran-javatra iray izay misy rano tao anatiny. DH: "hatramin'ny vodiny"
Eto Yaveh dia tondroina amin'ny tanany mba hanindriana fa Izy no ilay izay nanome ny lovia jobo ho an'ny vahoakany. DH: "izay nomeny anareo"
"amin'ny kapoaka izay nahatonga anareo hivembena toy ny hoe mamon'ny divay ianareo"
tsy mandeha mahitsy, na tafintohina rehefa mandeha
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary azo akambana. Io dia miresaka an'i Jerosalema izay tsy misy mamonjy toy ny hoe vehivavy mamo tsy manan-janaka mba hanampy azy handeha tsara ny tanàna. DH: "Tsy misy olona mba mamonjy anao! Tahaka ny vavy antitra mamo nefa tsy manan-janaka mba hitantanana azy sy hitarika azy ianao"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Mampiasa fanontaniana Isaia mba hanindriana fa tsy misy olona hitomany azy ireo na hampionona azy ireo. Ireo fanontaniana ireo dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "nefa tsy misy olona mba halahelo anao...Tsy misy olona mba hampionona anao."
Ny olana roa dia manondro ny andianteny roa manaraka eo: "faharavana sy faharinganana" ary "ny mosary sy ny sabatra."
Ireo teny roa dia midika zavatra iray ihany ary manindry ny faharavan'ny tany nateraky ny tafika mpanohitra. DH: "ireo fahavalonao dia namela ny tanànanao ho foana sy rava"
Ny teny hoe "mosary" sy "sabatra" dia manoritsoritra ny olana izay hahazo ny vahoaka. Ny hoe "sabatra" dia manondro ny "ady". DH: "maro aminareo no ho fatin'ny hanoanana sy ady"
Io dia fanaovana amin'ny ankapobeny, izay midika fa hiampatra eny an-dalana ny zaza maro, nefa tsy tena hoe eny an-joron-dalana rehetra akory. DH: "miampatra eny an-dalana izy ireo"
Io dia miresaka ny zaza izay reraka sy tsy misy mpamonjy toy ny hoe diera tratra tao anaty fandrika izy ireo. DH: "tsy misy mpamonjy, tahaka ny diera tratra ao anaty harato izy ireo" na "tsy misy mpamonjy tahaka ny diera voafandrika izy ireo"
Io dia biby, mitovy amin'ny serfa, izay misy tandroka ary mihazakazaka mafy be. DH: "serfa"
Ny "fahaviniran'i Yaveh" dia manondro an'i Yaveh manasazy ny vahoakany noho ny hatezerany amin'izy ireo. Io dia miresaka ny vahoaka izay voasazy mafy toy ny hoe nanjary vonton'ny hatezeran'i Yaveh izy ireo. Ny teny hoe "teny mafy" ihany koa dia afaka soratana ho matoanteny. DH: "voasazin'i Yaveh mafy izy ireo satria tezitra tamin'izy ireo ary nibedy azy ireo Izy"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Mampiasa ny hoe "izay" Yaveh eto mba hanondroana ny olona nampahoriana rehetra. DH: "ianao olona nampahoriana sy olona nomamoina"
Io dia miresaka ny olona izay mamo satria mijaly toy ny hoe nanjary mamon'ny fanerena azy ireo mba hisotro ny lovian'ny hatezeran'i Yaveh izy ireo. DH: "ianao izay mamon'ny fisotroana ny divain'ny lovian'ny hatezeran'i Yaveh" na "ianao izay mamo, satria nijaly mafy"
Io dia miresaka an'i Yaveh izay tsy tezitra amin'ny vahoakany intsony toy ny hoe zavatra tao anaty kapoaka izay nesoriny tamin'izy ireo ny hatezerany. DH: "Tsy ho tezitra aminareo intsony Aho. Indro, tahaka ny hoe nanala ny kapoaka izay nampivembenako anareo, izay, ny kapoaka izay feno ny hatezerako Aho, mba"
Io teny io eto dia fomba fiteny ary nampiasaina mba hisarihana ny ny sain'ny mpihaino ny amin'izay lazaina manaraka eo. DH: "Henoy"
Ny teny hoe "kapoaka" dia manondro izay tao anatin'ilay kapoaka. Jereo ny fomba nandikanao izany andianteny izany ihany tao amin'ny 51:17. DH: "ny kapoakan-divay izay mampivembena ny olona"
Ny fanasaziana ny vahoakany dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nanery azy ireo mba hisotro amin'ny lovia jobo izay feno ny hatezerany Izy. Jereo ny fomba nandikanao izany andianteny izany ihany tao amin'ny 51:17. DH: "ny lovia jobo izay feno ny hatezerako" na "ny kapoaka izay feno ny hatezerako"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Io dia miresaka an'i Yaveh manasazy ny fahavalon'izy ireo toy ny hoe hanery azy ireo mba hisotro amin'ny kapoaka feno ny hatezerany Izy.
Mazava fa amin'ny fametrahana ny kapoaky ny hatezerany eo an-tanan'izy ireo dia hanery azy ireo hisotro izay ao anatin'ilay kapoaka Yaveh. DH: "Hanery ireo mpampijaly anareo hisotro amin'ny divay ao amin'ny lovian'ny hatezerako Aho"
Ny teny hoe "mpampijaly" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "ireo izay mampijaly anao" na "ireo izay nahatonga anao hijaly"
Io dia mampitaha ny fomba handehan'ny fahavalon'izy ireo eo an-damosiny amin'ny fomba handehanan'ny olona amin'ny lalana. DH: "nitsilany teo amin'ireo lalana ianao mba ahafahan'ireo fahavalo mandeha eo amin'ny lamosinao"
1 Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona; tafio ireo akanjonao tsara tarehy, ry Jerosalema, tanàna masina; fa tsy hiditra aminareo intsony ny tsy voafora na ny maloto. 2 Ahintsano ny vovoka amin'ny tenanareo; miarena ary mipetraha, ry Jerosalema; esory ny rojo vy eo am-bozonao, ry zanaka vavin'i Ziona babo. 3 Fa izao no lazain'i Yaveh hoe: "Namidy maimaimpoana ianareo, ary ho vonjena maimaimpoana." 4 Fa izao no ambaran'ny Tompo Yaveh: "Tany am-piandohana ny oloko dia nandeha nidina nankany Egypta mba hitoetra mandirtry ny fotoana voafetra; efa nampahorian'i Asyria vao tsy ela izy ireo. 5 Ankehitriny inona no hananako eto— izany no fanambaran'i Yaveh—hita fa nalaina tamin'ny tsy antony ny oloko? Maniratsira ireo izay manapaka eo amin'izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—ary voahendrikendrika foana ny anarako tontolo andro. [1]6 Noho izany ny oloko dia hahalala ny anarako; ho fantatr'izy ireo amin'izany andro izany fa Izaho ilay miteny hoe: "Eny, Izaho izany!" 7 Endrey ny hatsaran'ny tongotr'ireo mpitondra hafatra eny an-tendrombohitra izay mitondra vaovao tsara, izay manambara fiadanana, izay mitondra teny soa mahafaly, izay manambara famonjena, izay miteny amin'i Ziona hoe: "Manjaka ny Andriamanitrao!" 8 Henoy, manandratra ny feony ireo mpiambinao, miara-mihiaka fifaliana izy ireo, satria hahita ny fiverenan'i Yaveh any amin'ny Ziona izy ireo, ny mason'izy ireo rehetra. 9 Miaraha mihoby hiram-pifaliana, ianareo ry ravan'i Jerosalema; fa Yaveh dia efa nampahery ny olony; efa nanavotra an'i Jerosalema Izy. 10 Efa nampiseho ny sandriny masina teo imason'ny firenena rehetra Yaveh; hahita ny famonjen'ny Andriamanintsika ny tany rehetra. 11 Mialà, mialà, mivoaha teto; aza mikasika zavatra maloto; mialà teo afovoany; diovy ny tenanareo, ianareo izay mitondra ny fanak'i Yaveh. 12 Fa tsy tampoka no hivoahanareo, na tahotra no hialanareo; satria Yaveh dia handeha hialoha anareo; ary ilay Andriamanitr' Israely no ho vodi-lalanareo. 13 Indro, hiasa am-pahendrena ny mpanompoko; ho ambony sy hisandratra izy, ary ho avo indrindra. 14 Fa toy ny nigagan'ny maro taminao— dia simba loatra tsy toy ny an'olombelona ny tavany, ary tsy hita toy ny olombelona intsony ny endriny. 15 Na dia izany aza, hamafy firenena maro ny mpanompoko ary hanakombona ny vavany noho izy ireo mpanjaka. Fa izay tsy mbola nolazaina azy ireo, dia ho hitan'izy ireo, ary izay tsy mbola ren'izy ireo, dia ho azon'izy ireo.
Io teny io dia naverina mba hanindriana ary mba hanehoana ny hamehana. Isaia miezaka mamoha ny olona dia resahina toy ny hoe niezaka ny hamoha azy ireo tamin'ny torimaso izy.
Ny hoe lasa mahery indray dia resahina toy ny hoe akanjo izay anaovan'ny olona ny hery. DH: "aoka hatanjaka"
Ireo dia samy manondro ny vahoaka izay monina ao Jerosalema. Ny olona dia resahin'i Isaia toy ny hoe nihaino azy izy ireo. DH: "vahoakan'i Ziona...vahoakan'i Jerosalema"
DH: "Ireo izay tsy noforaina na ireo izay maloto"
Io dia manondro ny olona maloto. Ny olona izay heverin'Andriamanitra ho tsy ekena ara-panahy na maloto dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana ilay olona. DH: ''ireo izay tsy eken'Andriamanitra"
Eto ny hoe "aminao" dia manondro an'i Jerosalema izay manambara ny vahoaka monina ao. Takatra fa ny olona tsy voafora sy maloto dia hiditra ao amin'ny tanàna mba hanafika ny vahoaka. Ny teny tsy ao dia afaka ampiana mba hampazava ny dikany. DH: "miditra ao amin'ny tanànanao mba hanafika anao" (UDB)
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Eto "Jerosalema'' dia manondro ny olona izay mipetraka ao!. DH: "Ry vahoakan'i Jerosalema, mitsangàna ary ahintsano ny loto amin'ny tenanareo"
Mazava fa nanao rojo vy ny vahoakan'i Jerosalema satria andevo izy ireo raha nalefa an-tsesitany tany Babylona. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava.
Io dia fomba fiteny. Ny hoe "zanaka vavin'ny" tanàna dia midika hoe ny olon'ilay tanàna. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7. DH: "vahoakan'i Ziona" na "ny olona izay monina ao Ziona"
Io dia miresaka momba an'i Yaveh toy ny hoe tompon'ny vahoakan'Israely Izy. Satria tompony marina Izy dia afaka manome azy ireo na maka azy ireo miverina amin'izay tiany Izy. DH: "Namidiko maimaimpoana ianareo, ary ho avotako maimaimpoana"
Eto ny "fiandohana" dia manondro ny fiandohan'ny tantaran'Israely fony lasa vahoaka voalohany izy ireo.
"nankany Egypta." Iraisana ny mampiasa ny andianteny hoe "nandeha nidina" rehefa miresaka ny fandehanana avy any Kanana ho any Egypta.
Asyria dia manondro ny vahoakan'i Asyria. DH: "efa nampijaly mafy azy ireo ny vahoakan'i Asyria"
Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hisarihana ny sain'ny vahoaka amin'izay ho lazainy. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Ankehitriny jereo izay mitranga...nalaina tsy amin'ny antony indray ny oloko."
Ireo mety ho heviny dia 1) Hoy Yaveh: "izany no fanambaran'i Yaveh." DH: "Hananako eto— izany no nambarako— mahita" na 2) Hoy Isaia: "Izany no fanambaran'i Yaveh." DH: "Hananako eto, 'hoy Yaveh, 'mahita"
DH: "Hitako naka ny oloko tamin'ny tsy antony ny fahavalo"
Ireo mety ho heviny dia 1) ny hoe "tamin'ny tsy antony" dia midika fa naka ny olona tsy ara-drariny ary tsy nisy antony ireo Babyloniana na 2) Io dia manohy ny sarinteny nanomboka tao amin'ny 52:2 izay iresahana an'i Yaveh toy ny hoe tompon'ny vahoakan'Israely sy afaka manome azy ireo maimaimpoana Izy.
Io dia manondro ireo Babyloniana izay nandresy ny vahoaka. Na izany aza, ireo dikanteny sasany manao hoe: "Midradradradra ireo izay manapaka azy ireo." Fa ireo dikanteny ireo, io andalana io dia manondro ireo mpitarik'ireo Israelita izay babo.
Eto ny hoe "anarana" dia manondro ny lazan'i Yaveh. DH: "ireo izay mijery ny fahavalo maka ny oloko dia milaza zavatra ratsy momba Ahy foana"
Eto ny hoe "anarana" dia manondro ny lazan'i Yaveh. DH: "Noho izany dia hahafantatra Ahy tokoa ny oloko"
Miresaka amin'ny vahoakan'Israely Isaia.
Eto ny "tongotra" dia manambara ny mpitondra hafatra izay mandeha. DH: "Tsara ny mahita ny mpitondra hafatra izay tonga eo amin'ireo tendrombohitra mba hilaza vaovao tsara"
Eto "Ziona" dia manambara ny vahoakan'i Ziona. DH: "amin'ny vahoakan'i Ziona''
Io dia fomba fiteny. DH: "nihiaka mafy"
Eto ny "maso'' dia manambara ilay olona manontolo. DH: "ny tsirairay amin'izy ireo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Isaia.
Ny faharavan'i Jerosalema dia resahin'i Isaia toy ny hoe olona izay afaka mifaly ireo. Io dia manambara ny vahoakan'i Jerosalema izay resy. DH: "ianareo olona izay miaina eo amin'ny faharavan'i Jerosalema"
Eto "Jerosalema" dia manondro ny vahoaka. DH: "efa nanavotra ny vahoakan'i Jerosalema Izy"
Eto ny "sandry" dia manambara ny herin'i Yaveh. Ny fanehoan'i Yaveh amin'ny vahoakan'ireo firenena rehetra fa masina sy mahery Izy dia resahina toy ny hoe mpiady izay nanala ny akanjony, nampiseho ny sandriny ho amin'ny ady Izy. DH: "nampiseho ny fahamasinany sy ny heriny lehibe"
Eto ny "firenena'' sy "tany" dia manambara ny vahoaka ao amin'ireo firenena rehetra eran-tany.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Isaia.
Io teny io dia naverina mba hanindriana fa tsy maintsy miala tokoa ny olona, na dia tsy tena hoe eo no ho eo aza.
Io dia fahalalana niheverana fa andevo tany Babylona ny vahoakan'Israely. Afaka ambara mazava izany. DH: "mivoaha eo amin'ny tany izay maha-andevo anareo"
Ny zavatra izay nambaran'i Yaveh ho tsy mendrika ny hokasihina sy hohanina dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana. DH: "aza mikasika zavatra izay tsy eken'i Yaveh"
Eto ny hoe "-ny" dia manambara an'i Babylona.
Ny fiarovan'i Yaveh ny vahoakany amin'ireo fahavalony dia resahina toy ny hoe mpiady izay mandeha mialoha ny vahoaka ary mpiady izay mijanona any aorian'ny vahoaka mba hiaro azy ireo Izy.
Ireo andianteny hoe "ambony sy hisandratra" ary "ho avo indrindra" ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa hanome voninahitra ny mpanompony Yaveh. Jereo ny nandikanao ny andianteny mitovy amin'izany ao amin'ny 33:10. DH: "Hanome voninahitra lehibe ny mpanompoko Aho"
Eto ny hoe "taminao" dia manondro ilay mpanompon'i Yaveh. Na izany aza, dia mety hanapa-kevitra ny hanova ny hoe "taminao" ho "taminy" ireo mpandika teny.
Midika izany fa simba ny tarehin'ilay mpanompo satria namely mafy azy ireo fahavalo. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "mamely mafy dia mafy ny vatany ireo fahavalo ka tsy toy ny olombelona intsony izy"
Mbola manohy miresaka momba ny mpanompony Yaveh.
Ilay mpanompo mahatonga ny vahoakan'ireo firenena ho eken'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mpisorona izay mamafy ny ràn'ny sorona mba anaovana ny olona iray ho eken'i Yaveh ilay mpanompo.
Ny teny Hebreo nadika hoe "mamafy" eto dia afaka adika hoe "gaga" na "taitra", izay ataon'ny Baiboly sasany ihany koa.
Eto ny "firenena" dia manondro ny vahoaka ao amin'ireo firenena.
Ny andianteny hoe "hanakombona ny vavany'' dia fomba fiteny. DH: "tsy hiresaka intsony ireo mpanjaka" na "hangina ireo mpanjaka"
DH: "izay tsy nisy olona nilaza taminareo" na "zavatra izay tsy mbola nisy olona nilaza taminareo"
1 Iza no nino izay reny avy taminay, ary tamin'iza no nampisehoana ny sandrin'i Yaveh? 2 Fa nitombo tahaka ny zana-kazo madinika teo anatrehan'i Yaveh izy, ary tahaka ny tsimoka avy ao amin'ny tany karankaina; tsy nanana hatsaran-tarehy mahatalanjona na famirapiratana izy; rehefa nahita azy isika, dia tsy nisy hatsarana manintona antsika teny. 3 Izy dia notsinontsinoavina ary nolavin'ny olona; olon'ny alahelo, ary zatra fahoriana. Tahaka ilay iray izay hanafenan'ny olona ny tavany, natao tsinontsinona izy; ary ataontsika tahaka ny tsy misy dikany. 4 Kanefa nitondra ny aretintsika tokoa izy ary nizaka ny alahelontsika; fa nihevitra isika hoe nosazian'Andriamanitra izy, nasian'Andriamanitra, ary nampahoriana. 5 Fa nolefonina noho ireo asa fikomiantsika izy; potika noho ireo otantsika izy. Ny sazin'ny fiadanantsika dia teo aminy, ary tamin'ireo ratrany no nahasitrana antsika. 6 Isika rehetra dia tahaka ny ondry izay nandeha tamin'ny lalan-diso; samy nandeha tamin'ny lalany avy isika, ary Yaveh nametraka ny fahotantsika rehetra teo aminy. 7 Nampahoriana izy; nefa rehefa nanetry tena izy, dia tsy nanokatra ny vavany; tsy nanokatra ny vavany tahaka ny zanak'ondry izay tarihina ho any amin'ny famonoana; sy tahaka ny ondry izay mangina manoloana ny mpanety azy izy. 8 Tamin'ny faneriterena sy fitsarana no niampangana azy; iza amin'io taranaka io no mbola mieritreritra ny momba azy? Fa naringana tamin'ny tanin'ny velona izy; noho ireo fandikan-dalàn'ny oloko dia natao teo aminy ny fanasaziana. 9 Nataon'izy ireo niaraka tamin'ireo jiolahy ny fasany, niaraka tamin'ny lehilahy manan-karena ny fahafatesany, na dia tsy nanao herisetra aza izy, na nisy fitaka aza teo imolony. 10 Fa sitrapon'Yaveh ny hamotika azy sy hanao azy ho marary. Rehefa nataony ho sorona ho an'ny fahotana ny ainy, dia hahita ny fisasarany izy, hanalava ny androny izy, ary ny tanjon'i Yaveh dia ho tanteraka amin'ny alalany. 11 Aorian'ny fijaliany teo amin'ny fiainany, dia hahita fahazavana izy ary ho afa-po amin'ny fahalalany. [1] Ilay mpanompoko marina no hanamarina ny maro; hitondra ny helok'izy ireo izy. [2]12 Noho izany dia hanome azy ny anjarany eo amin'ireo maro aho, ary hizara ireo babo amin'ny maro izy, satria nampiharihary ny tenany tamin'ny fahafatesana izy ary natao ho isan'ireo mpandika lalàna. Nitondra ny otan'ny maro izy ary nanelanelana ireo mpandika lalàna.
Eto Isaia dia manoritsoritra ireo tranga izay hitranga amin'ny hoavy toy ny hoe efa nitranga tany aloha ireo. Io dia manindry fa hitranga tokoa izany.
Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompon'i Yaveh Isaia.
Izay vao hitan'i Isaia dia tena mahagaga tokoa ka manontani-tena izy raha hino izany ireo voasesitany. Ny hoe "taminay" dia mampiditra azy sy ireo izay tany an-tsesitany. DH: "Tena sarotra ho an'ny olona ny hino izay renay"
Ny sandry dia manondro ny herin'Andriamanitra. DH: "ary nampiseho ny heriny tamin'ny vahoaka Yaveh."
Eto ny hoe "izy" dia manondro ilay mpanompon'Andriamanitra izay ampitahain'i Isaia amin'ny hazo tena mbola tanora. Io dia manindry fa hiseho ho malemy izy.
Ny "tany karakaina" dia tany mafy sy maina izay tsy hisy zava-maniry haniry ary manindry izay halehan'ilay mpanompon'i Yaveh. DH: "avy amin'ny tranga tsy mitombona"
Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompon'i Yaveh Isaia. (Jereo: 53:1)
DH: "Noheverin'ny olona ho tsinontsinona ary nolavin'ny olona Izy"
"olona mahalala ireo karazan'alahelo rehetra"
Ny "tava" dia manambara ny fisainan'ny olona na ny finamanana. Ny fanafenana ny tavan'olona dia midika hoe miala amin'ilay olona. DH: "izay nihodinan'ny olona"
DH: "nihevitra Azy ho tsy mendrika izy ireo"
Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompon'i Yaveh Isaia. (Jereo: 53:1)
Ny hoe "mizaka" na hoe mitondra zavatra tahaka ny aretina sy alahelo dia manambara ny fanalana izany. DH: "nanala ireo aretintsika sy alahelontsika tamintsika Izy"
DH: "fa nihevitra isika fa nanasazy sy nampahory Azy Andriamanitra"
Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompon'i Yaveh Isaia. (Jereo: 53:1)
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa nijaly noho ny fahotan'ny olona ilay mpanompo. DH: "Namela ny fahavalo hanindrona sy hamono Azy noho ireo fahotantsika Andriamanitra"
Io dia manondro ny fiadanan'Andriamanitra. Afaka ambara mazava izany. DH: "Nanaiky izany sazy izany Izy mba ahafahantsika miaina am-pilaminana"
DH: "nanasitrana antsika tamin'ny fangirifirian'ireo ratrany Izy"
Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompon'i Yaveh Isaia. (Jereo: 53:1)
Ny ondry matetika dia miala amin'ny lalana izay hitarihan'ny mpiandry azy ireo azy. Ny tian'i Isaia ambara dia hoe manao izay tiantsika isika fa tsy izay andidian'Andriamanitra.
Ny "helotsika" eto dia manambara ny heloka noho ny fahotantsika. DH: "ny heloka noho ny otan'ny rehetra amintsika"
Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompon'i Yaveh Isaia. (Jereo: 53:1)
DH: "Nampijaly mafy Azy izy ireo"
Ny "vava" dia manondro izay lazain'ny olona. Ny fanokafana ny vavan'olona dia midika hoe miteny. DH: "tsy nanohitra Izy"
Mampitaha ilay mpanompo amin'ny zanak'ondry sy ondry i Isaia mba hanindriana fa hangina Izy raha mampijaly sy manala-baraka Azy ny olona.
DH: "tahaka ny zanak'ondry izay mangina raha mamono izany ny olona"
Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompon'i Yaveh Isaia. (Jereo: 53:1)
DH: "Nampijaly mafy Azy, nitsara Azy, ary nanameloka Azy izy ireo"
Ny teny Hebreo nadika hoe "faneriterena'' eto dia nadikan'ny dikanteny sasany hoe "fisamborana". Fa ireo dikanteny sasany ireo, ny heviny dia hoe hosamborina ary dia hotsaraina sy hovonoina ilay Mpanompo.
Io fanontaniana io dia manindry fa tsy misy olona mihevitra Azy. DH: "tsy misy olona amin'ny taranany hiraharaha izay hanjo Azy" na "tsy misy amin'ireo mpiara-belona Aminy hiraharaha izay hanjo Azy"
Maro amin'ireo dikanteny no mandika io andalana amin'ny Hebreo io amin'ny fomba samihafa: "Iza no afaka hilaza zavatra momba ireo taranany?" na "Iza no afaka hilaza zavatra momba ny lahatra ho Azy?"
Ny hoe "naringana" eto dia manondro ny fahafatesana. DH: "Nefa maty Izy" na "Nefa naka Azy ny fahafatesana"
"ny vahoakan'Israely"
Ny hoe "vava" dia manambara izay lazain'ny olona. DH: "na tsy namitaka olona Izy raha niteny"
Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompon'i Yaveh Isaia. (Jereo: 53:1)
Eto ny hoe "taranaka" dia midika hoe ireo olona izay navela heloka nohon'ny soron'ilay mpanompo.
Io dia miresaka ny famelomana Azy fotoana maro. DH: "Hamelona ilay mpanompony indray Yaveh"
DH: "Hanatantereaka ny tanjony amin'ny alalan'ny mpanompony Yaveh"
Eto ny hoe "fiainany" dia manondro ilay mpanompo. DH: "Aorian'ny fijalian'ilay mpanompo"
Maro amin'ireo dikanteny no mahazo fa ny "fahazavana" eto dia midika hoe fiainana. Fa hoe, ho velona indray ilay mpanompo.
Eto ny hoe "-ko" dia manondro an'i Yaveh.
Ny hoe "mitondra" eto dia hoe milanja sy manambara ilay mpanompon'i Yaveh mizaka ny heloka nohon'ny fahotan'izy ireo. DH: "Hilanja ny helok'izy ireo eo amin'ny tenany Izy"
Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompony Yaveh.
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Ny hoe "anjara" sy "babo" dia manondro ny mpanjaka iray rehefa avy mizara ny babo na ireo valisoa amin'ny tafiny taorian'ny fandresena amin'ny ady. Izany dia midika fa hanome voninahitra lehibe ilay mpanompony noho ny sorony Andriamanitra.
Ireo dikanteny maro dia mandika io fiteny io hoe "ny mahery."
Ny hoe "nampiharihary" dia midika hoe marefo na tsy voaaro. Nametraka ny tenany tamin'ny tranga izay hahafaty Azy ilay mpanompon'i Yaveh. DH: "nanaiky an-tsitra-po ny fahafatesana Izy"
DH: "ary namela ny olona hitondra Azy tahaka ny mpanao herisetra Izy"
1 "Mihirà, ry vehivavy momba, ianareo izay tsy niteraka; miravoravoa amin'ny hiram-pifaliana ary mihiakà mafy, ianareo izay tsy mba nihetsi-jaza. Fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro kokoa noho ny zanaky ny vehivavy manambady," hoy i Yaveh. 2 Ataovy lehibe kokoa ny lainareo ary velaro ny ambain-dainareo, velaro tsara; alavao ny tadinareo ary hamafiso ny tsato-kazonareo. 3 Fa hiely any an-kavanana sy any an-kavia ianareo, ary ireo taranakareo dia handresy ireo firenena ary honina amin'ireo tanàna lao. 4 Aza matahotra fa tsy ho menatra ianareo, na kivy fa tsy ho afa-baraka ianareo; hanadino ny henatry ny hatanoranareo sy ny fahafaham-barakan'ny fandaozana anareo ianareo. 5 Fa ilay Mpahary anareo no vadinareo; Yaveh tompon'ny maro no Anarany. Ilay Iray Masin'Israely no Mpanavotra anareo; Izy dia antsoina hoe Andriamanitry ny tany rehetra. 6 Fa Yaveh efa namerina niantso anareo ho toy ny vady izay nilaozana sy malahelo am-panahy, tahaka ny vehivavy nanambady tanora ary nariana," hoy ny Andriamanitrareo. 7 "Fa nanary anareo nandritra ny fotoana fohy Aho, fa amin'ny fangorahana lehibe no hanangonako anareo. 8 Vetivety ihany no nanafenako ny tavako taminareo tamin'ny tondra-dranon'ny hatezerana; fa amin'ny fanekena mahatoky tsy manam-pahataperana no hangorahako anareo—hoy i Yaveh, ilay iray izay manavotra anareo. 9 Fa izao dia tahaka ny tondra-dranon'i Noa Amiko: tahaka ny nianianako fa ny tondra-dranon'i Noa dia tsy handalo amin'ny tany intsony, no hianianako fa tsy ho tezitra aminareo na hiteny mafy anareo Aho. 10 Na hianjera aza ireo tendrombohitra na koa hiozongozona aza ireo havoana, ny fitiavako tsy miova kosa dia tsy hiodina aminareo, na ny fiadanako mahatoky ho voaozongozona—hoy i Yaveh, izay mamindra fo anareo. 11 Ianareo ory, afotofoton'ny tafio-drivotra sy tsy manana fampiononana, indro, ho ataoko amin'ny vatosoa ny rarivatonareo, ary amin'ny safira no hametrahako ny fototrareo. 12 Hataoko robina ireo tilikambonareo ary amin'ny vato mamirapiratra ny vavahadinareo, ary ny mandanareo any ivelany amin'ny vato tsara tarehy. 13 Dia i Yaveh no hampianatra ireo zanakareo rehetra; ary ho lehibe ny fiadanan'ireo zanakareo. 14 Amin'ny fahamarinana no hamerenako anareo amin'ny laoniny. Tsy hiaina fanenjehana intsony ianareo, ka tsy hatahotra ianareo, ary tsy hisy na inona na inona mampitahotra ho avy eo anilanareo. 15 Indro, raha misy olona mitarika korontana, dia tsy avy Amiko izany; na iza na iza mitarika korontana eo aminareo dia ho lavo amin'ny faharesena. 16 Indro, efa nahary mpanao asa tanana, izay mitsoka ny vain'afo mirehitra sy manefy fitaovam-piadiana ho asany Aho, ary efa nahary ny mpamotika mba hamotika Aho. 17 Tsy misy fitaovam-piadiana izay voaforona hanohitra anareo haharesy; ary ianareo dia hanameloka izay rehetra miampanga anareo. Izany no lovan'ireo mpanompon'i Yaveh, ary ny fanamarinan'izy ireo avy Amiko—izany no fanambaran'i Yaveh."
Ny filazan'i Yaveh ny vahoakan'i Jerosalema mba hifaly satria hisy olona marobe hipetraka any Jerosalema dia resahina toy ny hoe nilaza tamin'ny vehivavy momba ho hanan-janaka maro i Yaveh.
Io fehezanteny io dia midika zavatra iray amin'ny tapan'ny fehezanteny voalohany ihany.
Ny tranga izay hitranga amin'ny hoavy dia resahina toy ny hoe nitranga tany aloha izany. Io dia manindry fa hitranga tokoa ny tranga. DH: "Fa ho maro ny zanaky ny mpitondratena"
Eto ny hoe "mpitondratena" dia midika fa nanary sy nandao azy ny vadin-dravehivavy.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.
Io dia manohy ny sarinteny izay nanomboka tao amin'ny 54:1. Ny filazan'i Yaveh ny vahoakan'i Jerosalema mba hiomana satria nampitombo be ny olon'izy ireo Izy dia resahina toy ny hoe milaza amin'ny vehivavy mba hanao ny lainy ho lehibe mba hanaovana efitrano ho an'ny zaza maro Izy.
Eto ny hoe "ianao" dia manondro ilay vehivavy momba. Izy dia manambara ireo taranany rehetra. DH: "Fa hiely ianao sy ny taranakao"
Eto ny hoe "firenena" dia manambara ny vahoaka. DH: "handresy ny vahoaka ao amin'ireo firenena hafa"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.
Yaveh milaza amin'ny olona fa tsy hihevitra na dia ny momba ny henatra izay nianjady tamin'izy ireo rehefa nandresy azy ireo ny fahavalo dia resahina toy ny hoe milaza amin'ilay vehivavy mba tsy hihevitra intsony ny henatra izay nianjady taminy tamin'ny tsy fananany anaka sy tamin'ny nandaozan'ny vadiny azy Yaveh.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.
Ny fitiavan'i Yaveh sy ny fikarakarany ny vahoakany dia resahina toy ny hoe vadin'izy ireo Izy.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 17:6 io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:24 io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 5:15 io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 41:14 io.
DH: "Izy no Andriamanitry ny tany rehetra"
Ny fandefasan'i Yaveh ny olony hiala any an-tsesitany ary ny famerenana azy avy eo dia resahina toy ny hoe lehilahy izay nanary ny vadiny nefa manaiky azy ankehitriny Yaveh.
Eto ny "fanahy" dia manambara ny ao anatin'ny olona. DH: "ary nalahelo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.
Yaveh tena tezitra dia resahina toy ny hoe tondra-drano izay mandifotra ny olona ny hatezerany. DH: "Rehefa tena tezitra Aho"
Eto ny hoe "manafina ny tavany" dia fomba fiteny izay midika fa nahafoy ny vahoakany ary namela azy ireo hijaly Andriamanitra. DH: "Nahafoy anareo Aho"
DH: "nefa satria mahatoky lalandava amin'ny fanekeko taminareo Aho" na "nefa satria mahatoky lalandava ny hanao izay nampanantenaiko atao Aho"
DH: "izany dia, Izaho, Yaveh, izay mpanavotra anareo, no milaza aminareo hoe" (UDB)
Io dia manondro ny safo-drano izay nataon'i Yaveh nandritra ny fotoan'i Noa.
Manoritsoritra ny fepetra misy petra-kevitra Yaveh mba hanazavana izay hitranga na dia ho tojo ireo fepetra ireo aza. DH: "Na dia hianjera aza ireo tendrombohitra ary hiozongozona ireo havoana, ny fitiavako tsy miova"
DH: "mety hiozongozona ireo havoana"
Yaveh mbola mitia ny vahoakany hatrany dia resahina toy ny hoe tsy hiala amin'ny vahoakany ny fitiavany. DH: "Tsy hitsahatra ny hitia anareo Aho"
Yaveh tsy nanafoana ny fanekeny tamin'ny vahoakany dia resahina toy ny hoe zavatra izay azo ahozongozona ny fanekeny. DH: "ary tsy hamafa ny fanekem-pihavanana Aho" na "ary hanome fiadanana anareo araka izany nampanantenaiko tao amin'ny fanekeko tokoa Aho"
DH: "izany dia Izaho, Yaveh, izay mamindra fo, no milaza" (UDB)
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.
Eto Yaveh dia miresaka ny tanànan'i Jerosalema toy ny hoe nihaino izany izy ireo. Eto Jerosalema dia manambara ny olona izao monina ao. DH: "Ianareo vahoakan'i Jerosalema izay ory"
Ny olona dia resahin'i Yaveh toy ny hoe notsofin'ny rivotra sy tafio-drivotra nanodidina ary nopotehin'izany izy ireo. Midika izany fa nijaly ary tsy nitombona ny vahoaka.
"tsy misy fampiononana"
Manoritsoritra ny teny tsara izay fomba hamerenana an'i Jerosalema indray amin'ny laoniny sy ny hanaovana izany ho tsara tarehy indray Yaveh. Na dia mety nitarina aza ny fiteny, dia afaka mandika izay araka nanoritsoritan'i Yaveh izany ihany ianao.
Ireo dia vatosoa sarobidy. Ny robina dia manga be manopy maitso, ny safira dia manga antitra, ary ny voahangy dia mena manopy mavokely.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.
DH: "Amiko, Yaveh"
Ny anarana hoe "fahamarinana" dia afaka ambara amin'ny tambinteny hoe "marina". DH: "Hataoko hahery indray ianareo satria hanao izay marina ianareo"
Midika izany fa tsy misy olona ao an-tanàna na any ivelany hampitahotra ireo mponin'i Jerosalema intsony.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.
Io dia fomba fiteny. DH: "mahatonga korontana" na "manakorontana anareo"
Io dia fomba fiteny. DH: "handresy azy ireo an'ady ianareo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.
Ireo fahavalo tsy mahomby amin'ny fanoherana ny vahoakan'i Yaveh dia resahina toy ny hoe tsy hahomby amin'ny vahoakan'i Yaveh ny fitaovam-piadian'izy ireo. DH: "Mety hanamboatra fitaovam-piadiana mba hanafihana anareo ireo fahavalo nefa tsy handresy anareo izy ireo"
Ny valisoa izay homen'i Yaveh ireo izay manompo Azy dia resahina toy ny hoe zavatra izay ho lovain'izy ireo ny valisoa.
DH: "izany no ambarako, dia Izaho Yaveh"
1 "Avia, ianareo rehetra izay mangetaheta, makanesa eo amin'ny rano, ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividina ary mihinana! Avia, mividiana divay sy ronono tsy andoavam-bola sady tsy must vidiny. 2 Nahoana ianareo no mandanja volafotsy ho amin'izay tsy mofo, ary nahona ianareo no miasa mafy amin'izay tsy mahafa-po anareo? Henoy tsara Aho ka mihinana izay tsara, ary amin'ny hatavezana no hafinaritra ny tenanareo. 3 Atongilano ny sofinareo ary manatona aty amiko! Mihenoa, dia ho velona ianareo. Hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho: ny tokiako, fitiavana mahatoky nampanantenaina an'i Davida. 4 Indro, efa nataoko amin'ny toerany tahaka ny vavolombelona ho an'ireo firenena izy, toy ny mpitarika sy mpibaiko ho an'ny vahoaka. 5 Indro, hiantso ny firenena izay tsy fantatrareo ianareo; ary ny firenena izay tsy nahafantatra anareo no hiazakazaka ho any aminareo noho Yaveh Andriamanitrareo, ilay masin'Israely, izay efa nanome voninahitra ho anareo." 6 Mitadiava an'i Yaveh dieny mbola hita Izy; miantso Azy dieny mbola eo akaiky eo Izy. Aoka hiala amin'ny lalany ny ratsy fanahy, ary ny mpanota hiala amin'ny heritreriny. 7 Aoka izy hiverina amin'i Yaveh, dia hihantra azy Izy, ary an'Andrimanitsika, izay hamela tanteraka azy. 8 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, na ny lalanareo no lalako__izany no fanambaran'i Yaveh__ 9 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra izay avo kokoa noho ny tany, no hahavon'ny lalako kokoa noho ny lalanareo, ary ny fihevitro mihoatra noho ny fihevitrareo. 10 Fa toy ny orana sy ny fanala hilatsaka avy eny an-danitra ka tsy miverina eny raha tsy hoe mameno ny tany ireo ary hamokatatra sy hitsimoka izany ary hanome voa ho an'ny mpamboly izay mamafy ary mizara mofo ho an'ny mpihinana, 11 koa ho aloakin'ny vavako ihany koa ny teny: tsy mba hiverina amiko amin'ny tsy misy dikany izany, saingy izany no hanatanteraka izay iriko, ary hahomby izy ho amin'izay nalefako an'izany. 12 Fa hivoaka am-pifaliana ianareo ary hotarihana am-piadanana; ireo tendrombohitra sy ny havoana dia ho vaky amin'ny hiaka am-pifaliana eo anatrehanareo, ary ny hazon'ny saha rehetra dia hiteha-tanana. 13 Raha tokony ho fefy tsilo, dia ny kipreso no haniry; ary raha tokony tsilo, dia hazo rotra no haniry, ary ho an'i Yaveh izany, fa ny anarany, tahaka ny famantarana izay tsy ho tapaka mandrakizay.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema izay tany an-tsesitany amin'ny alalan'i Isaia Yaveh.
Ny fitahiana ny olona an-kalalahana dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nivarotra sakafo sy zava-pisotro tamin'ny olona malahelo maimaimpoana Izy.
Ny famerenana io teny io inefatra dia manampy ny hevitry ny hamehan'ny fanasana.
Misy hevitra fanesoana amin'io fanambarana io satria mampiasa vola mba hividianan-javatra ny olona matetika. Io dia manindry ny fahasoavan'i Yaveh mahagaga amin'ny fanomezana ireo zavatra ireo maimaimpoana.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.
Mametraka io fanontaniana io Yaveh mba hibedesana ny vahoaka. Miresaka ny vahoaka mitady hafaliana fa tsy amin'i Yaveh toy ny hoe nividy zavatra mba hohanina izay tsy sakafo izy ireo. DH: "Tsy tokony mandanja volafotsy ho an'izay tsy mofo izy ireo."
Io dia manondro ny fanisana vola volafotsy mba hividianana zavatra amin'ny olona. DH: "mandoa vola"
Eto ny teny hoe "mofo" dia manambara sakafo amin'ny ankapobeny. Midika izany fa nividy ireo zavatra ireo mba hohanina izay tsy tena sakafo akory izy ireo"
Mametraka io fanontaniana io Yaveh mba hibedesana ny vahoaka. Miresaka ny vahoaka mitady hafaliana fa tsy amin'i Yaveh toy ny hoe mahazo vola mba hividianana zavatra izay tsy mahafa-po azy ireo akory Yaveh. DH: "tsy tokony hiasa noho ny vola mba holaniana amin'ireo zavatra izay tsy mahafa-po akory ianao."
Ny vahoaka matoky an'i Yaveh nohon'ny fitahiana sy fifaliana dia resahina toy ny hoe mihinana sakafo tsara izay mahafaly azy izy ireo.
Ny teny hoe "fahatavezana" dia manondro ny sakafo izay feno tavy ary fomba fiteny hilazana ny sakafo tsara. DH: "amin'ireo sakafo tsara indrindra"
Ny fihainoana olona dia resahina toy ny hoe nanongilana ny sofin'olona tamin'ny olona izany. DH: "Henoy"
DH: "fitiavana matoky izay nampanantenaiko an'i Davida"
Ireo mety ho heviny dia 1) io dia manondro izay nataon'i Yaveh ho an'i Davida mpanjaka tany aloha na 2) io dia manondro izay hataon'Andriamanitra amin'ny alalan'ny iray amin'ireo taranak'i Davida.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io.
DH: "Mitadiava an'i Yaveh raha mbola mety ho hitanareo Izy"
Ny teny hoe "ratsy fanahy" dia manondro ny olona ratsy fanahy. Ny olona ratsy fanahy tsy manota intsony dia resahin'i Yaveh toy ny hoe tsy nandeha tamin'ny lalana izay nandehanan'izy ireo intsony izy ireo. DH: "Aoka hiova fomba fiaina ny olona ratsy fanahy"
Ny matoanteny dia afaka ampiana avy ao amin'ny andianteny teo aloha. DH: "ary aoka ny olona mpanota hiala amin'ny eritreriny"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny fomba fiheverany" na 2) "ny fikasany"
"ary hihantra azy Yaveh"
Ny matoanteny dia afaka ampiana avy ao amin'ny andianteny ao amin'io fehezanteny io. DH: "ary aoka izy hiverina amin'Andrimanitsika"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.
Afaka ovaina ny teny ka hambara amin'ny matoanteny hoe "manambara" na "milaza" ny anarana hoe "fanambarana". Jereo ny nandikanao izany andianteny izany tao amin'ny 14:21. DH: "izany no nambaran'i Yaveh" na "izany no nolazain'i Yaveh"
Ireo zavatra izay ataony sy ny fomba hiheverany dia resahin'i Yaveh toy ny hoe mihoatra lavitra na avo noho izay ataon'ny olona sy heveriny, tahaka ny lanitra izay avo noho ny tany izany.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.
Io dia tahaka ny fanoritsoritana ny orana sy fanala izay lasa entona.
Ny teniny dia resahin'i Yaveh toy ny hoe olona izay nalefany toy ny mpitondra hafany mba hanatanteraka ny asa.
Eto ny teny hoe "vava" dia manambara an'i Yaveh mihitsy. DH: "ny teny izay nolazaiko"
Eto ny fanoritsoritana ny teny miverina amin'i Yaveh dia midika fa nahatanteraka ny asa izay nandefasan'i Yaveh azy mba hotanterahina izany. Ny hoe tsy hiverina nefa "tsy nilaina" dia midika fa hahatanteraka ny asany izany. DH: "hahatanteraka ny asany izany"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa hitranga izay lazain'i Yaveh. DH: "nefa hanatanteraka izay iriako Aho, ary ireo zavatra izay lazaiko dia hataoko mitranga"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.
DH: "Hitarika anareo am-piadanana Aho"
Ireo tendrombohitra, havoana, ary ireo hazo dia resahin'i Yaveh toy ny hoe olona misy feo sy tanana, mankalaza raha manavotra ny vahoakany Yaveh.
Ny teny hoe "kirihi-tsilo" sy ny "tsilo" dia manondro ireo karazan-java-maniry izay misy tsilo maranitra maniry eo aminy. Ny teny hoe "kypreso" sy "rotra" dia manondro ireo karazan-kazo maitso lalandava. Ny zava-maniry misy tsilo dia manambara faharavana, raha manambara fiainana sy fananana ireo maitso lalandava.
Eto ny teny hoe "anarana" dia manondro ny lazan'i Yaveh. DH: "ho an'ny lazany" na "ho an'ny voninahiny"
Ny zavatra tsy misy intsony dia resahina toy ny hoe notapahana, tahaka ny rantsana izay notapahina tamin'ny hazo na tapa-damba izay notapahina tamin'ny akanjo. DH: "izay tsy hifarana mihitsy" na "izay haharitra mandrakizay"
1 Izao no lazain'i Yaveh: "Tandremo izay marina, manaova izay rariny; fa akaiky ny famonjeko, ary efa haseho ny fahamarinako. 2 Voatahy ny olona izay manao, sy mihazona mafy izany. Izy dia mitandrina ny Sabata, fa tsy mandoto izany, ary mifehy ny tanany amin'ny fanaovan-dratsy." 3 Aoka ny hafa firenena izay tonga mpanaraka an'i Yaveh tsy hisy hanao hoe: "Hanala ahy ao amin'ireo vahoakany tokoa Yaveh." Ny tandapa tsy tokony hiteny hoe: "Indro izaho fa hazo maina." 4 Fa izao no lazain'i Yaveh: "Ho an'ireo tandapa izay mitandrina ireo Sabatako, sy misafidy ny ankasitrahako, ary mihazona ny fanekeko, 5 ho azy ireo no hananganako ao an-tranoko sy ao anatin'ny mandako ny tsangam-bato izay tsara kokoa nohon'ny manan-janaka lahy sy zanaka vavy. Hanome azy ireo tsangam-bato maharitra mandrakizay izay tsy ho kapaina mihitsy Aho. 6 Ireo hafa firenena izay miaraka amin'i Yaveh ihany koa_ mba hanompo Azy, ary ireo izay tia ny anaran'i Yaveh_mba hidera Azy, ny olona rehetra izay mitandrina ny Sabata, izay mihazona amin'ny tsy fandotoana izany, ary izay mihazona ny fanekeko 7 _dia ho entiko any an-tendrombohitro masina ary hampiravoravoko ao an-trano fivavahako izy ireo; ny fanatitra dorany sy ny soron'izy ireo dia hekena eo ambonin'ny alitarako. Fa ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra, 8 izany no fanambaran'i Yaveh Tompo, izay manangona ireo vaoroakan'Israely_mbola hanangona ireo hafa ho fanampin'izy ireo Aho." 9 Ianareo bibidia rehetra any an-tsaha, avia ka arapao, ianareo bibidia rehetra any an'ala! 10 Ireo mpitily azy rehetra dia jamba, tsy mahatakatra izy ireo. Amboa moana avokoa izy ireo ka tsy afaka mivovoa. Manofy, sy mitsilailay izy ireo ary tia matory. 11 Tenda-kanina tokoa ireo amboa; tsy mety voky mihintsy izy ireo; mpiandry ondry tsy mahay manavaka izy ireo; nivily tamin'ny lalany avy izy rehetra ireo, samy fatra-pitia tombony tsy ara-drariny ny tsirairay. 12 "Avia" hoy izy ireo: "Andao hisotro divay sy taoka isika. Ho toy ny androany ihany ny rahampitso, andro lehibe tafahoatra."
DH: "Hanavotra anareo sy haneho anareo tsy ho ela Aho fa marina Aho"
Eto ny hoe "mihazona mafy izany" dia fomba fiteny izay midika hoe mbola manohy mitandrin-javatra. DH: "izay mitandrina lalandava ny hanao izany"
Eto ny "tanana" dia manondro ny asan'ny olona na ny fitondran-tenany. DH: "aza manao zava-dratsy"
Io dia midika fa mety nihevitra ireo tandapa fa tsy ho isan'ny olon'Andriamanitra izy ireo satria simba noho ny famotsirana (ary noho izany antony izany dia tsy afaka niteraka izy ireo). Tsy manao famosirana ireo Israelita; fa ireo vahiny no nanao, mba ho fanasaziana matetika. Ireo tandapa izay nanaiky ny finoana Hebreo dia nahalala fa tsy navela hanompo ao amin'ny tempoly izy ireo raha ny tokony ho izy. (Deot. 23:1). Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. DH: "ao anatin'ny mandan'ny tempoliko" (UDB).
DH: "izay tsy hifarana mihitsy" na "izay tsy ho adinoina mihitsy"
Io dia manondro ireo vahiny izay nikambana tamin'ny vahoakan'i Yaveh.
Ny "anarana" dia manambara ny laza sy ny olon'i Yaveh. DH: "izay tia an'i Yaveh"
Adikao tahaka ny tao amin'ny 11:8 io.
DH: "Hekeko eo ambonin'ny alitarako"
DH: "ho trano fivavahana ny tranoko"
Miantso ireo tafik'ireo firenena hafa amin'ny fampitahana azy ireo amin'ny biby mba ho avy sy hanafika ny vahoakan'Israely Yaveh.
Io dia midika fa ireo mpitarik'Israely dia tsy afaka ary mety tsy te hahita izay miseho ao amin'ny fiaraha-monina.
Ireo mpitarika dia tokony hanokatra ny vavany ary hampitandrina ny vahoaka, nefa tsy nanao izany izy ireo. Ny fampitahana ny olona amin'ny aliaka ao amin'izany fiaraha-monina izany dia tena fanesoana be tokoa.
Io dia midika fa tsy nitondra ny teny fampitandreman'i Yaveh tamin'ny Israely ireo mpitarika fa naleony ny fiadanan'izy ireo ihany.
Mbola manohy manoritsoritra ireo mpitarika ratsy izay an'ny vahoakany Yaveh.
Mbola manohy mampitaha ireo mpitarika ratsin'Israely amin'ny amboa Yaveh.
1 Maty ny marina, nefa tsy misy mihevitra izany, ary nangonina ny olon'ny fanekena mahatoky, nefa tsy misy olona mahatakatra fa angonina avy amin'ny ratsy ny marina. 2 Miditra ao amin'ny fiadanana izy; miala sasatra eo am-pandriany izy ireo, dia ireo izay mandeha amin'ny fahitsiany. 3 Fa manatona eto, ianareo zanaky ny mpanandro, zanaky ny mpijangajanga ary ny vehivavy izay efa nivarotra ny tenany. 4 Iza no maneso amin-kafaliana anareo? Amin'iza no anokafanareo vava sy hitranganareo lela? Moa ve tsy zanaka mpikomy, zanaka mpamitaka ianareo? 5 Manafana ny tenanareo amin'ny fiarahana matory eo ambanin'ny hazo terebinta, ambanin'ny ahi-maitso rehetra ianareo. Ianareo izay mamono ny zanakareo eo amin'ny renirano maina, eo ambanin'ny tsefatsefakin'ny vato. 6 Amin'ireo kilonjy malaman'ny reniran-dohasaha ireo zavatra izay notendreko ho anareo. Ireo no anton'ny fanoloran-tenanareo. Ianareo dia mandraraka ny fanatitrareo sotrona ho azy ireo sy manandratra ny fanatitra vary. Amin'ireo zavatra ireo ve no tokony hifaliako? 7 Nanomana ny fandrianareo tany an-tendrombohitra avo ianareo; niakatra tany koa ianareo mba hanolotra ireo sorona. 8 Tao ivohon'ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanareo ireo famantaranareo. Ianareo dia nitsoaka nandao Ahy, nampitanjaka ny tenanareo, ary niakatra; nampihanjaka ny fandrianareo. Nanao fanekena tamin'izy ireo ianareo; nitia ny fandrian'izy ireo ianareo; nahita ny faritra saro-padiny ianareo. 9 Nankany amin'i Moleka niaraka tamin'ny diloilo ianareo; nampitombo ny zava-manitra ianareo. [1] Nandefa ireo irakareo lavitra ianareo; nidina tany amin'ny Fiainan-tsy hita ianareo. 10 Reraky ny dianareo lavitra ianareo, nefa tsy niteny mihintsy ianareo hoe: "Tsy misy fanantenana izany." Nahita fiainana teo an-tananareo ianareo; noho izany dia tsy nihaosa ianareo. 11 "Iza no ahianareo? Iza no atahoranareo mafy ka nahatonga anareo hamitaka, ka tsy nahatsiaro na niheritreritra Ahy ianareo? Satria nangiana hatry ny ela Aho ary tsy matahotra Ahy intsony ianareo. 12 Hanambara ireo asa marinareo sy hilaza izay efa nataonareo rehetra Aho, fa tsy hanampy anareo ireny. 13 Rehefa mitaraina ianareo, aoka hamonjy anareo ireo karazan-tsampinareo. Raha tokony ny rivotra no hitondra azy rehetra ireo, dia ny fofon'aina no hitondra azy rehetra. Fa izay mialoka Amiko dia handova ny tany sy haka ho fananana ny tendrombohitro masina. 14 Hiteny izy hoe: 'Amboary, amboary! Savao ny lalana! Esory eo amin'ny lalan'ny vahoakako ny zavatra manafintohina rehetra!'" 15 Fa izao no lazain'Ilay ambony sy avo, izay velona mandrakizay, masina ny Anarany: "Izaho dia mipetraka amin'ny toerana avo sy masina, miaraka aminy koa ny fanahy torotoro sy manetry tena, mba hamelomana indray ny fanahin'ireo izay manetry tena, ary mba hamelomana indray ny fon'ireo izay manenina. 16 Fa tsy hiampanga mandrakizay, na ho tezitra mandrakizay Aho, fa ny fanahin'ny olona dia reraka teo anatrehako, dia ireo aina izay nataoko. 17 Nohon'ny fahotan'ny tombony tsy ara-drariny, dia tezitra Aho, ary nanafay azy; nanafina ny tavako Aho ary tezitra, nefa nandeha tamin'ny lalan'ny fony izy. 18 Efa nahita ny lalany Aho, nefa ho sitraniko izy. Hitarika azy Aho ary hampahery sy hampionona ireo izay misaona ho azy, 19 ary foroniko ny vokatr'ireo molony. Fiadanana, fiadanana, ho an'ireo izay any lavitra sy ho an'ireo izay akaiky_hoy i Yaveh_hositraniko izy ireo. 20 Kanefa ireo ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misambaravoara, izay tsy afaka mijanona, ary ny ranon'izany dia fotaka misambaravoara. 21 Tsy misy fiadanana ho an'izay ratsy fanahy_hoy Andriamanitra."
"ny olona izay marina sy mitandrina ny lalàn'Andriamanitra" na "ny olona izay tsy mivadika amin'Andriamanitra"
Ireo dia samy manondro ny fahafatesana avokoa.
DH: "fa maty ny olona marina, ary haka azy ireo hiala amin'izay ratsy rehetra Yaveh''
"Miditra amin'ny fiadanana ny marina"
"ireo izay manao ny marina"
Miantso ny olona tsy mahatoky rehetra mba ho avy eo anoloany Yaveh mba ahafahany mitsara azy ireo amin'ny fahasamihafana be amin'ireo fampanantenana ho an'ny marina izay tonga teo aloha.
Io dia fanesoana mafy ny olona izay manao ody satria ao anatin'ny fanompoan-tsampy ny mosavy sy ny ody.
Io dia manondro ny fijanganjangana tena izy sy ara-panahy. Niala tamin'ny fanompoana an'Andriamanitra izy ireo ary manompo ireo andriamani-kafa sy ireo sampy sady mijangajanga amin'ny fanompoan-tsampin'ny fankalazan'ny Kananita.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo Yaveh mba hibedesana ny olona izay maniratsira Azy amin'ny alalan'ny andriamani-tsy izy. DH: "Maniratsira Ahy sy mihomehy Ahy amin'ny fampitanatananareo ny vavanareo sy ny fitranganareo lela ianareo!"
Mampiasa fanontaniana hafa Yaveh mba hibedesana ny olona. Io dia tsy manondro ny fahaterahan'izy ireo fa ny toe-panahin'izy ireo. DH: "Zanaky ny fikomiana, zanaky ny fitaka ianareo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely tsy mahatoky Yaveh.
Ireo fihetsika rehetra ireo dia nifandraika tamin'ny fanompoan-tsampy avokoa. Ny terebinta dia hazo masin'ireo Kananita. Nihevitra ny olona fa ny fihetsika tahaka izany dia hampitombo ny famokaran'ny olona sy ny tany.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely tsy mahatoky Yaveh.
Ny tena hevitr'izany amin'ny Hebreo dia tsy mazava. DH: "izay anjaranareo" na "izay lovanareo"
Mampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hibedesana ny vahoaka. DH: "Tena tsy ankasitrahako tokoa ireo zavatra ireo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely tsy mahatoky Yaveh.
Io dia manondro ny fiarahana mandry amin'ireo mpijangajanga toy ny hoe anisan'ny fanompoana ireo andriamani-tsy izy izany.
Matetika ny olona dia niakatra eny an-tampon-kavoana sy tendrombohitra mba hanompo ireo andriamani-tsy izy. Nihevitra izy ireo fa ireo no toerana tsara indrindra hanompoana. Mety manondro an'i Jerosalema ihany koa aza io.
"Nanao fifanekena tamin'izy ireo ianareo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely tsy mahatoky Yaveh.
Tsy tena nidina ara-bakiteny tany amin'ny Fiainan-tsy hita, ny tontolon'ny maty akory ny olona. Fa kosa, manondro Yaveh fa te handeha any amin'izay hahitany andriamanitra vaovao mba hotompoina ny olona.
Rehefa avy niezaka mafy, dia nahita izy ireo satria mbola nanana hery mba handehanana hatrany ireo mpanompo sampy. Eto ny "tanana" dia mitovy amin'ny "hery" na "fahafahana."
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely tsy mahatoky Yaveh.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo Yaveh mba hibedesana ny olona. DH: "Tsy maintsy matahotra ireo sampy ireo satria tena mamitaka tokoa ianareo...Ahy ianareo!"
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa, na dia tokony hahatsiaro an'i Yaveh aza izy ireo, dia tsy nahatsiaro.
Maneso Yaveh, ary miantso ireo asa ratsy sy miantso ny fahamarinana.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely tsy mahatoky Yaveh.
Maneso ny vahoaka sy ny sampin'izy ireo Yaveh. Miteny amin'ireo sampy mba hamonjy ny olona Izy na dia fantany aza fa tsy afaka manao izany ireo.
Io dia milaza zavatra mitovy amin'ny fomba roa mba hanindriana fa tsy afa-manoatra sy tsy mendrika ireo sampy. DH: "ny rivotra, eny fa ny fofon'aina mihitsy, no hitsoaka azy ireo"
Ny "tendrombohitra masina" dia ny Tendrombohitra Ziona, any Jerosalema. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 11:8.
Manindry Yaveh ary mandodona fa efa misy lalana mazava sy mahitsy azon'ny olona hiverenana any Aminy sady tsy misy sakana mba hanompoana an'i Yaveh. Io dia manahaka ny 40:3.
Ny teny hoe "avo" sy "ambony" dia midika zavatra iray ihany eto ary manindry fa efa nasandratra Yaveh. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 6:1 sy 33:10. Jereo ny nandikanao izany andianteny izany tao amin'ny 52:13.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa hampahery sy hankahery ireo izay manetri-tena eo anatrehany Yaveh.
Ireo dia manondro ny eritreritra sy ny fihetseham-pon'ny olona, fa tsy ny fanahy sy fo ara-bakiteny akory.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Io dia midika fa namela ny vahoakany Andriamanitra ary tsy nanampy na nitahy azy ireo intsony.
Io dia midika fa mbola nanary ny Andriamanitra tena izy noho ireo andriamani-tsy izy ireo Israelita. Eto ny hoe "niverina" sy "lalana" dia teny manambara fahazotoana sy fihetseham-po.
Mbola manohy miteny Yaveh.
"ny lalan'izy ireo". Eto ny hoe "-ny" dia manondro ny vahoakan'Israely.
"Hampitony ireo izay malahelo noho ny fijalian'ny olona nohon'ny fitondran-tena feno fahotan'izy ireo Aho"
Eto ny "vokatr'ireo molotra" dia manondro ny olona izay miteny. DH: "ary hataoko midera sy misaotra Ahy izy ireo"
"Nihavana tamin'ireo izay lavitra Aho." Ny teny hoe "fiadanana" dia naverina mba hanindriana.
Io dia mampitaha ny ratsy fanahy amin'ny rano manonja eny amoron-dranomasina izay mandoto ny rano.
1 "Mitomania mafy; aza tazonina. Asandrato tahaka ny trompetra ny feonao. Atreho amin'ny fikomiany ny oloko, ary amin'ny fahotany ny ankohonan'i Jakoba. 2 Kanefa mbola mitady ahy isan'andro izy ireo ary finaritra amin'ny fahalalana ny lalako, tahaka ny firenena izay nanao ny fahamarinana ary tsy nahafoy ny lalàn'ny Andriamanitr'izy ireo. Mangataka fitsarana marina amiko izy ireo; finaritra amin'ny fiheverana ny fanakaikezan'Andriamanitra izy ireo. 3 'Nahoana izahay no nifady' hoy izy ireo, 'kanefa tsy hitanao izany? Nahoana izahay no nanetry tena, kanefa tsy tsikaritrao?' Indro, amin'ny andron'ny fifadianareo no hahitanareo ny fahafinaretanareo manokana ary ampahorianareo ny mpiasanareo rehetra. 4 Indro, mifady hanina ianareo mba hifanditra sy hiady, ary hamely amin'ny totondrin'ny faharatsianareo; tsy mifady ianareo androany mba ho re any ambony ny feonareo. 5 Izany tokoa ve no karazana fifadiana tiako: Andro hanetren'ny rehetra ny tenany, mba hampiondrehany ny lohany tahaka ny volotara, ary hamelarany lamba fisaonana sy lavenona ao ambaniny? Fifadiana tokoa ve no iantsoanareo izany, andro ifalian'i Yaveh? 6 Tsy izao ve no fifadiana safidiako: Ny hanafaka ny famatoran'ny faharatsiana, ny hamaha ny tadin'ny zioga, ny hanafaka ireo torotoro, ny hanapaka ny zioga rehetra? 7 Tsy ny hizara ny mofonao amin'ny noana ary hitondra ireo mahantra sy ireo tsy manan-kialofana ho ao an-tranonao ve?" Rehefa mahita olona miboridana ianao, dia tokony hampitafy azy; ary tsy tokony hanafina ny tenanao amin'ireo havanao ihany ianao. 8 Dia hipoaka tahaka ny masoandro ny fahazavanao, ary hitsimoka faingana ny fanasitranana anao; handeha eo anoloanao ny fahamariananao, ary ny voninahitr'i Yaveh no ho vodi-lalanao. 9 Dia hiantso ianao, ary hamaly Yaveh; hihiaka famonjena ianao, ary hiteny izy hoe: "Inty Aho." Raha esorianao hiala aminao ny zioga, ny fanondro miampanga, ary ny lahatenin'ny faharatsiana, 10 raha manome ho an'ny noana ianao ary mamoky ny tra-pahoriana; dia hiposaka ao amin'ny aizina ny fahazavanao, ary ny aizinao ho tahaka ny amin'ny mitataovovonana. 11 Dia hitarika anao lalandava Yaveh ka hamoky anao any amin'ny faritany izay tsy misy rano, ary hanatanjaka ny taolanao Izy. Ho tahaka ny sahan-drano ianao, ary tahaka ny loharano, izay tsy mitsahatra mandrakizay ny ranony. 12 Ny sasany aminareo dia hanorina indray ny rava fahiny; hanangana ireo ravan'ny taranaka maro ianareo; ho antsoina ianareo hoe "mpanamboatra ny manda," "Mpamerina ny lalana honenana." 13 Raha atao hoe mamily ny tongotrao hiala amin'ny fanaovana dia amin'ny andro Sabata ianao, ary hiala amin'ny fanaovana ny fahafinaretanao manokana amin'ny androko masina. Raha atao hoe miantso ny Sabata ho sitraka, ary miantso ny raharahan'i Yaveh ho masina sy manan-kaja ianao. Raha atao hoe manaja ny Sabata amin'ny fahafoizana ny raharahanao manokana ianao, ary amin'ny tsy fitadiavana ny fahafinaretanao manokana ary amin'ny tsy filazana ny teninao manokana. 14 Dia hahita mamy ao amin'i Yaveh ianao; ary hampitaingenako ny haavon'ny tany ianao; hamoky anao avy amin'ny lovan'i Jakoba rainao Aho—fa ny vavan'i Yaveh no niteny."
Io dia midika hoe mihiaka mafy. Eto ny hoe "-nao" dia manondro an'i Isaia.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Ireo miaraka dia manamafy ny hamehan'ny hiatrehana ny vahoakan'i Yaveh.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo ny vahoakan'Israely mba hitarainana amin'Andriamanitra fa tsapan'izy ireo toa tsy miraharaha azy ireo Izy.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely amin'ny famaliana ny fanontaniana fanambin'izy ireo Yaveh.
"Henoy". Miatrika ny fanontanian'izy ireo amin'ny filazana amin'izy ireo ny mba hihainoana Yaveh.
"totohondry ratsy." Io dia maneho fa niady an-kabibiana izy ireo. Ny "totohondry" dia manambara ny hatezerana izay herisetra ara-nofo.
Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hibedesana ny vahoaka. Nanao zavatra tahaka ny hoe nanetri-tena teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo, nefa nandratra olon-kafa izy ireo. DH: "Tsy izany no karazana fifadian-kanina tiako...ao ambaniny."
Io dia midika fa niankohoka ny olona, nefa tsy tena fanetre-tena marina izany. Ny "volotara" dia manambara zava-maniry malefaka izay milefika mora foana.
Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hibedesana ny vahoaka. DH: "Tsy nihevitra izany ho karazana fifadian-kanina izay ankasitrahako tokoa ianareo!"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hampianarana ny olona momba ny karazana fifadian-kanina izay tiany. DH: "Izany no fifadian-kanina izay safidiako...hanapaka ny zioga rehetra."
Ireo andianteny rehetra ireo dia midika fa tokony hanampy ireo olona izay ampijaliana sy hampahorian'ny ratsy fanahy.
Mampiasa fanontaniana hafa Yaveh mba hampianarana olona. DH: "Tsy ny...tranonao."
Io andianteny io dia manambara ny fanombohana ny sakafo amin'ny fizarana ny sombi-mofo.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ny hoe "Nipoaka" dia fomba fiteny izay midika fa rehefa manomboka mamiratra ny fahazavana. Midika izany fa raha manampy ny olona mila fanampiana izy ireo, dia ho tahaka ny fahazavana izay ho hitan'ny hafa ny asan'izy ireo, raha miposaka aorian'ny aizim-pito ny masoandro. Na ny fahazavana dia mety manondro ny fahazavan'ny Tompo, mamiratra amin'izy ireo sy mitahy azy ireo.
Midika izany fa hitahy sy hamerina azy ireo amin'ny laoniny faingana Andriamanitra, tahakny ny ratra izay sitrana vetivety.
Io dia manondro ny fotoana izay niarovan'Andriamanitra ny vahoakan'Israely toy ny hoe nandositra an'i Egypta izy ireo. Midika izany fa hiaro azy ireo amin'ny fahavalon'izy ireo indray Andriamanitra raha hanao izany marina izy ireo.
Io fiteny Hebreo io dia afaka adika ho olona izay manome fahamarinana na fandresena aza ny olona. Ireo dikanteny sasany fohy dia mandika tahaka izany.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ny hoe "fahazavanao" dia manambara ireo asa misy fahatsaram-panahy izay ho ohatra ho an'ny olona rehetra, ary ny hoe "aizina", asa ratsy, dia ho resin'ny asa tsaran'izy ireo.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ny "rano" dia manambara izay rehetra ilain'izy ireo ho an'ny fiainana be dia be na dia tsy manana ny ampy aza ireo manodidina azy.
Ny "saha voatondraka" dia manambara ny fitobahana sy hafenoana mba hahazo izay ilainy izy ireo.
Ny "loharano" dia manambara ny loharanon'ny fitobahana any amin'ny tany izay tena sarobidy tokoa ny rano.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
DH: "hiantso anareo ny olona hoe"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Eto ny "tongotra" dia manondro ny fandehanana sy ny fiasana izay nataon'ny olona tamin'ireo andro hafa. Tsy namela ny handehanana lavitra na hiasana amin'ny andro fitsaharana Andriamanitra. DH: "nijanona tsy nandeha ary tsy nanao izay tiako hatao amin'ny Sabata, androko masina ianareo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Io dia manondro an'Andriamanitra manandratra ny firenena ao anatin'ny laza sy hery ho valin'ny fiainana am-pahamarinana.
Ny "vava" dia manambara izay lazain'i Yaveh. DH: "satria Yaveh no efa niteny izany"
1 Indro, ny tanan'i Yaveh tsy fohy akory ka tsy hahavonjy; ary ny sofiny tsy lalodalovana, ka tsy handre. 2 Ny asa ratsinareo, kanefa, no nampisaraka anareo tamin'ny Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no nahatonga Azy hanafina ny tavany aminareo ka tsy hihaino anareo. 3 Fa tasin'ny rà ny tananareo ary ny ratsan-tananareo tasin'ny fahotana. Milaza lainga ny molotrareo ary ny lelanareo miteny amin-kafetsena. 4 Tsy misy miantso ny marina, ary tsy misy mifona amin'ny fahamarinana. Mitoky amin'ny teny foana izy ireo, ary milaza lainga; lainga no torotoroniny ary fahotana no aterany. 5 Mikotrika atodim-bibilava feno poizina izy ireo ary manenona tranon-kala. Izay rehetra mihinana ny atodiny dia maty, ary raha misy atody voahitsaka, dia foy ho bibilava feno poizina izany. 6 Tsy azo ampiasaina hatao akanjo ny tranon-kalany, na afaka manarona ny tenany ny asany. Asan'ny fahotana ny asany, ary asan'ny herisetra no eo an-tanany. 7 Mihazakazaka ho any amin'ny ratsy ny tongony, ary mihazakazaka handatsaka rà tsy manan-tsiny izy ireo. Fihevitra fahotana ny fiheviny; herisetra sy fandravana no lalany. 8 Ny lalan'ny fiadanana tsy mba fantatr'izy ireo, ary tsy misy rariny eo amin'ny lalany. Nanamboatra lala-meloka izy ireo; izay rehetra mandeha amin'izany lalana izany dia tsy mahita fiadanana. 9 Noho izany dia lavitra anay ny rariny, ary tsy mahatratra anay ny fahamarinana. Miandry fahazavana izahay, nefa mahita aizina; mitady famirapiratana izahay, kanefa mandeha amin'ny aizina. 10 Mitsapatsapa rindrina tahaka ny jamba izahay, tahaka ireo izay tsy mahita. Voafingana amin'ny atoandrobenanahary izahay toy ny hoe amin'ny takariva; eo amin'ny ireo mahery dia tahaka ny olona maty izahay. 11 Mierona tahaka ny bera izahay ary mitolokoloko tahaka ny voromailala; miandry rariny izahay, saingy tsy misy; miandry fanavotana, saingy lavitra anay izany. 12 Fa eo anoloanao ny helokay, ary ny fahotanay no miampanga anay; fa ny helokay dia miaraka aminay, ary fantatray ny fahotanay. 13 Nikomy izahay, nandà an'i Yaveh ary niala tamin'ny fanarahana ny Andriamanitray. Nilaza fampahoriana izahay ary nivily lalana, namorona fitarainana avy ao am-ponay sy teny lainga. 14 Nesorina ny rariny, ary mijoro lavitra dia lavitra ny fahamarinana; fa tafintohina eny ankalamanjana ny fahamarinana, ary tsy ho tonga ny marina. 15 Efa dify lavitra ny fahamendreham-pitokisana, ary ilay iray izay miala amin'ny ratsy no mahatonga ny tenany ho tra-doza. Hitan'i Yaveh izany ary tsy faly Izy fa tsy misy ny rariny. 16 Nahita Izy fa tsy misy olona, ary talanjona fa tsy mba misy miditra an-tsehatra. Noho izany dia ny tanany ihany no nitondra famomjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy. 17 Mitafy fahamarinana ho saron-tratra Izy ary aro-loha famonjena eo amin'ny lohany. Nitafy ankanjo valifaty izy ary nanao ny zotom-po ho aron'akanjo. 18 Novaliany noho izay vitany izy ireo, dia fitsarana feno fahatezerana amin'ny rafiny, famaliana ho an'ny fahavalony, ary famaizana ho valim-pitian'ireo. 19 Koa dia hatahotra ny anaran'i Yaveh avy any andrefana izy ireo, ary ny voninahiny avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro; fa ho avy tahaka ny riaka mipaoka Izy, izay entin'ny fofonain'i Yaveh. 20 "Misy mpanavotra tonga ao Ziona ary amin'ireo izay miala amin'ny asany feno fikomiana ao amin'i Jakoba—izany no fanambaran'i Yaveh. 21 Raha ny amiko, dia izao no fanekeko amin'izy ireo—hoy Yaveh—ny fanahiko izay ao amin'izy ireo, ary ny teniko izay napetrako teo am-bavanao, dia tsy hiala amin'ny vavanao, na hiala amin'ny vavan'ireo zanakao, na hiala amin'ny vavan'ireo zafinao—hoy Yaveh—manomboka izao ka ho mandrakizay."
"Tokony ho fantatrao!" Milaza ny vahoaka mba hihaino Yaveh.
Ny "tanana" dia manambara hery sy fahafahana. Ny hoe tanana "fohy" dia hoe tsy manana hery sy fahafahana. DH: "Tena afaka tokoa Yaveh"
Io dia manondro ny vahoakan'Israely ho antoko iray.
Ny "tava" dia manambara ny hoe eo ary mijery. DH: "nahatonga Azy hiala aminareo ny fahotanareo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Isaia.
Eto ny "tanana" sy "rantsan-tanana" dia manondro ny asan'izy ireo. Io dia midika fa meloka tamin'ny fanaovana herisetra sy zavatra feno fahotana izy ireo. DH: "Fa nanao fahotana tena ratsy ianareo"
Ny rantsam-batana izay miteny dia manambara izay lazain'ny olona. DH: "Miteny lainga sy zava-petsy ianareo"
Ny "fanorotoronana" sy "fiterahana" dia manindry hoe tena nikasa ny hanao zavatra feno fahotana izy ireo. Eto ny hoe "izy ireo" dia mbola manondro ny vahoakan'Israely ihany. DH: "miasa mafy mba hanao zavatra feno fahotana izy ireo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely momba ny ratsy izay ataon'izy ireo amin'ny fampiasana sarinteny milaza ny bibilava misy poizina sy tranon-kala Isaia.
Ny atodim-bibilava feno poizina dia foy bibilava mampidi-doza maro be. Ny "bibilava feno poizina" dia manambara ny ratsy ataon'ny olona izay manimba hatrany hatrany. DH: "Manao ratsy izay miely mba hanao ratsy kokoa izy ireo"
Io dia manambara ireo asan'ny olona izay tsy misy ilana azy. DH: "mahatonga zavatra sy asa izay tsy misy ilana azy"
Ny fihinanana atody misy poizina dia hamono olona izay mihinana izany ary manambara ny famotehana ny tena ihany. Ny famakiana atody dia mamela ny zanaka bibilava misy poizina mba ho foy ary manambara ny fanaparitahana ny fandringanana. DH: "Ireo asa izay hataon'izy ireo dia handringana azy ireo ary hampiely ny fandringanana amin'ny hafa"
DH: "raha misy olona manitsaka ny atody"
Midika izany fa ireo asa feno fahotan'izy ireo dia tsy azo saronana na afenina, tahaka ny tranon-kala izay tsy azo atao akanjo sy tsy manarona olona. DH: "Ireo asa ratsiny dia hiharihary toy ny hoe tsy misy ilana azy"
DH: "Tsy afaka hampitafy azy ireo amin'ny tranon-kalany izy ireo"
Ny "tanana" dia manambara ny fahafahana sy hery mba hanaovana ireo zavatra ireo ary ny andraikitr'izy ireo ihany koa noho izany. DH: "tena tompon'andraikitra tanteraka amin'ny herisetra izay ataony izy ireo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Isaia.
Ny "tongotra" dia manambara ny fahafahana mandeha ary ny "mihazakazaka" dia manambara ny fandehanana faingana. DH: "Mailaka ny hanao ireo zavatra ratsy izy ireo"
Ny "lalana" dia manambara ny fomba fiainan'izy ireo. DH: "no mba ataon'izy ireo"
Ny "lalana" dia manambara ny fomba fiainan'izy ireo. DH: "tsy mba manao izany rariny mihitsy izy ireo" na "ny zavatra rehetra ataon'izy ireo dia tsy rariny"
Ny "lala-meloka" dia manambara ny fomba fiaina izay ratsy. DH: "Milaza sy manao zavatra tsy marina izy ireo. Maniasia izy ireo"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Isaia.
Eto ny hoe "anay" dia manondro an'i Isaia sy ny vahoakan'Israely. Ny hoe "lavitra" dia manambara fa lasa ny rariny sady sarotra alaina. DH: "lasa ny rariny ary tena sarotra ny maka izany"
Ny tsirairay amin'ireo andianteny ireo dia midika fa miandry ny hatsaran'Andriamanitra ny vahoaka, nefa toa tahaka ny hoe nanadino azy ireo Izy.
Io dia midika fa satria tsy tonga teo amin'izy ireo Andriamanitra, dia nahatsapa ho tsy misy mpamonjy izy ireo, fa tsy hoe nahita lala-marina sy kivy noho ny hoavy, ary tsy misy fanantenana ho an'ny fiainana mavitrika.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Isaia.
Ireo dia manondro ny feo izay navoakan'ny olona satria nalahelo sy nisaona izy ireo.
Mbola manohy miresaka Isaia.
Eto ny hoe "-nay" dia manondro an'i Isaia sy ny vahoakan'Israely.
Eto ny hoe "-nao" dia manondro an'i Yaveh.
Manoritsoritra ny fahotana toy ny hoe olona izay mandeha eo anoloan'Andriamanitra Isaia mba hanambarana fa meloka ny olona.
Ny hoe "eo aminay" dia manambara ny hoe mahafantatra ireo. DH: "satria fantatray ny helokay"
Mbola manohy miresaka Isaia.
DH: "Nanala ny rariny ny olona"
Ireo dia hevitra izay soritsoritan'i Isaia tahaka ny olona.
Mbola manohy miresaka Isaia.
"fantatr'i Yaveh fa tsy nisy olona tonga mba hanavotra ireo izay nijaly." na "Gaga Yaveh fa tsy nisy olona nanavotra ireo izay nijaly."
Ny "sandry" dia manondro ny fahafahana sy hery. DH: "nampiasa ny heriny mba hanavotana ny olona Yaveh"
Ny "fahamarinana" dia toetra izay miasa tahaka ny olona. DH: "ary nanao izay tsara tahaka izay ho ataony Izy"
Ny "saron-tratra", "aro-loha", "akanjo", ary "aron'akanjo" dia fitafiana hanaovana amin'ny ady. Manoritsoritra an'i Yaveh ho nanao ireo zavatra ireo mba hanasaziana ny vahoakany Isaia.
akanjo lava mivaha, mirebareba
Manoritsoritra ny tranga hoavy toy ny hoe efa nitranga tany aloha Isaia. Midika izany fa hitranga tokoa izany.
Mbola manohy miresaka Isaia.
Eto ny "anarana" dia manondro ny laza sy ny toetr'i Yaveh. DH: "matahora an'i Yaveh"
Manakambana ireo teny ireo Isaia mba hilazana ny olona any amin'ny toerana rehetra eto amin'izay tontolo izao.
Maina foana saika ho herintaona mandra-piverin'ny orana tampoka, mikija amin'ireo amin'ny rano be ireo lohasaha tery any Joda. Rehefa nitranga tao izany dia nisy tabataba sy rivotra be tao.
Ny teny hoe "fanambarana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny hoe "nanambara" na "nilaza tamin'ny fomba manetriketrika." Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 14:21 izany. DH: "izany no ambaran'i Yaveh tompon'ny maro" na "izany no nolazain'i i Yaveh tompon'ny maro tamin'ny fomba manetriketrika"
Io dia manondro ny fanomezana zavatra mba holazain'ny olona. DH: "ny hafatra izay nasiana nolazaiko"
1 Mitsangàna, mihazavà; fa tonga ny fahazavanao, ary efa nisandratra taminao ny voninahitr'i Yaveh. 2 Fa handrakotra ny tany ny aizina, ary ireo firenena ny aizim-pito; nefa hisandratra eo aminao Yaveh, ka ho hitanao ny voninahiny. 3 Ho tonga eo amin'ny fahazavanao ireo firenena, ary eo amin'ny tara-pahazavanao izay misandratra ireo mpanjaka. 4 Mijere manodidina ka tazano. Miara-miangona izy rehetra ka tonga eo aminao. Ho tonga avy any lavitra ireo zanakao lahy, ary ho entina eo an-tsandriny ireo zanakao vavy. 5 Dia hijery ianao ka ho miramirana, ary tokony hifaly sy ho safotra ny fonao, satria hararaka aminao ny habetsahan'ny ranomasina, ho tonga aminao ny haren'ireo firenena. 6 Handrakotra anao ireo andian-drameva, dia ireo rameva tanora any Midiana sy Efaha; ireo rehetra ireo dia ho avy any Sheba avokoa; hitondra volamena sy ditin-kazo manitra ireo, ary hihira fiderana an'i Yaveh. 7 Ireo ondry aman'osin'i Kedara rehetra dia hangonina eo aminao, ireo ondry lahin'i Nebaiota dia hety amin'izay ilainao; ho fanatitra ankasitrahina eo amin'ny alitarako ireo; ary homeko voninahitra ny tranoko be voninahitra. 8 Iza moa ireny manidina tahaka ny rahona, sy tahaka ny voromailala ao amin'ny fialofany ireny? 9 Mitady Ahy ny tany amorontsiraka, ary mitarika ny sambon'i Tarsisy, mba hitondra ireo zanakao lahy avy lavitra, ny volafotsiny sy ireo volamenany miaraka amin'izy ireo, ho an'ny anaran'i Yaveh Andriamanitrao, sy ho an'Ilay Masin'Israely, satria efa nanome voninahitra anao Izy. 10 Ny zanaka lahin'ireo hafa firenena hanangana indray ireo mandanao; ary hanompo anao ireo mpanjakany; fa na dia tamin'ny fahatezerako aza no namaizako anao, dia amin'ny fankasitrahako kosa no hangorahako anao. 11 Hisokatra hatrany hatrany ihany koa ireo vavahadinao; tsy hakatona na andro na alina ireo, mba hitondrana ny haren'ireo firenena, mbamin'ireo mpanjakany tarihina. 12 Ireo firenena sy ireo fanjakana izay tsy hanompo anao dia ho levona tokoa; ho rava tanteraka izany firenena izany. 13 Ho tonga aminao ny voninahitr'i Libanona, ny hazo kypreso, ny kesika, ary ny bokso miaraka, dia hanendrika ny fitoerako masina; ary hanome voninahitra ny fitoeran-tongotro Aho. 14 Ho tonga eo aminao mba hiankohoka izy ireo, dia ny zanaka lahin'ireo izay nanetry anao; hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo; hiantso anao hoe Ilay tanàn'i Yaveh izy ireo, dia i Zion'Ilay Masin'Israely. 15 Ho solonao nilaozana sy nankahalaina, ka tsy misy mandalo anao, dia hataoko zavatra fireharehana mandrakizay ianao, fifaliana hatramin'ny taranaka mifandimby. 16 Hisotro ny rononon'ireo firenena ihany koa ianao, ary hinono eo amin'ny tratran'ireo mpanjaka; dia ho fantatrao fa Izaho, no Yaveh, Mpamonjy anao sy Mpanavotra anao, Ilay Masin'i Jakoba. 17 Ho solon'ny varahina dia hitondra volamena Aho, ho solon'ny vy dia hitondra volafotsy Aho; ho solon'ny hazo, dia varahina; ary ho solon'ny vato, dia vy. Hanendry fiadanana ho governoranao aho, ary rariny no mpanapakao. 18 Tsy ho re ao amin'ny taninao intsony ny herisetra, na fandravana na fahapotipotehina ao amin'ireo faritaninao; fa ho antsoinao hoe Famonjena ireo mandanao, ary Fiderana ireo vavahadinao. 19 Tsy ho fahazavanao ny andro intsony ny masoandro, na hamiratra aminao ny fahazavan'ny volana; fa Yaveh no ho fahazavanao maharitra mandrakizay, ary ny Andriamanitrao no voninahitrao. 20 Tsy hilentika intsony ny masoandronao, na hiala ka hanjavona ny volanao; fa Yaveh no ho fahazavanao maharitra mandrakizay, ka hifarana ireo andro fisaonanao. 21 Ho marina avokoa ny vahoakanao rehetra; haka ny tany amin'ny fotoana rehetra izy ireo, dia ny rantsan'ny voliko, ny asan'ny tanako, mba homena voninahitra Aho. 22 Ho tonga an'arivony ny kely, ary ho firenena matanjaka ny bitika; Izaho, Yaveh, dia hanatanteraka ireo faingana rehefa tonga ny fotoana.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Isaia.
Io dia manondro ireo zavatra be voninahitra izay nomen'i Yaveh ny mponin'i Jerosalema. Ankehitriny izy ireo dia maneho izany voninahitra izany amin'ny alalan'izay ataon'izy ireo sy izay lazainy ary ny fananana fanantenana amin'ny hoavy.
Miresaka amin'ny vahoakan'Israely Isaia. Mbola manohy ny sarinteny momba ny "fahazavana" ihany izy. (Jereo: 60:1)
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary nakambana mba hanindriana. Ireo dia manondro ny "aizina ara-panahy." Io dia midika fa hahafantatra an'i Yaveh na ny fomba hankasitrahany azy ny firenena hafa rehetra. Io dia sarinteny hilazana ny fitsarana avy amin'Andriamanitra.
Io dia midika fa ny fahazavan'ny fanatrehan'Andriamanitra dia hiseho amin'ny vahoakan'Israely, ary haneho ny lalana tokony handehanan'izy ireo izany.
DH: "ary hahita ny voninahiny eo aminao ny vahoakan'ireo firenena"
Eto dia manomboka miteny Yaveh.
Ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely rehetra izay niara-nandeha mba hiverina any Jerosalema.
DH: "Hilanja ireo zanakao vavy eo an-tsandriny izy ireo" na "hilanja ireo zanakao vavy eo am-balahany izy ireo"
Ireo andianteny ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa ho faly tokoa noho izay hitranga any Jerosalema izy ireo.
Io dia manondro ny harena sy ny fananana izay ho tonga any Jerosalema amin'ny fiantsamboana, mety ho avy amin'ny Ranomasina Mediteraneana aza izany.
Io dia manoritsoritra fa ho tahaka ny rano izay migororoana ny habetsahana.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
"ny zanaka rameva"
Ireo dia anarana faritra any Arabia.
DH: "Hanangona ny biby fiompin'izy ireo ho anao ny vahoakan'i Kedara"
Io dia manondro izay ilain'izy ireo mba hatao sorona.
"Izaho, Yaveh, dia hanaiky ireo eo amin'ny alitarako"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Mampiasa fanontaniana sy sarinteny Yaveh eto mba hisarihana ny saina. Mampitaha ny fiantsambon'ny sambo amin'ny rahona sy voromailala Izy. Io ihany koa dia sarin'ny Israelita niverina any amin'ny tanàna izay azy ireo izy ireo. DH: "Indro, mahita zavatra tahaka ny rahona mihetsika faingana ary tahaka ny voromailala miverina any amin'ny akaniny Aho."
Io dia manondro ny olona izay monina ao amin'ireo tany morontsiraka ary manoritsoritra ny faritry ny tany morontsiraka toy ny hoe olona mijery izany. DH: "Ny olona avy amin'ireo tany morontsiraka"
Io dia fiteny izay matetika midika hoe sambo lehibe maharitra ho an'ny dia lavitra.
Adikao tahaka ny tao amin'ny 1:4 io.
"Efa nanome voninahitra anao Yaveh, ry vahoakan'Israely"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Eto ny hoe "andro" sy "alina" dia midika hoe "ny fotoana rehetra". DH: "tsy misy olona hanakatona ireo mihitsy"
DH: "mba hitondra ny haren'izy ireo, mbamin'ny mpanjakan'izy ireo ny vahoakan'ireo firenena"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
DH: "Handrava tanteraka ny vahoakan'ireo firenena Aho"
Io dia manondro an'i Libanona izay malaza noho ireo hazo tsara tarehy, indrindra ny kypreso sy ny sedera. Ny tena karazan'ireo hazo rehetra ireo dia tsy fantatra mazava.
Io dia manondro ny tempolin'i Yaveh.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
"hiala amin'ny taninao ny olona rehetra" na "hiala amin'ny taninao ireo vahiny rehetra"
Io dia manondro ny harena sy ny habetsahana izay notrohana tamin'ireo firenena hafa. Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany mba hanindriana.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 41:14 io.
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 41:26 io.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Hitondra fitaovana fananganana sarobidy maro be ho azy ireo Yaveh ankehitriny. DH: "raha tokony ho hazo, dia hitondra varahina Aho, ary raha tokony ho vato, dia hitondra vy Aho"
Manoritsoritra ny "fiadanana" sy ny "rariny" tahaka ny olombelona mpanapanaka Yaveh. Io dia midika fa hisy fiadanana tanteraka ary rariny ao amin'ny tanin'ny Israely.
DH: "Tsy hisy tatitra momba ny herisetra intsony ao amin'ny taninao"
Ny zavatra azo tsapain-tanana dia manana anarana toetra ara-panahy. Ny tanànan'i Jerosalema dia ho toerana milamina, ary ny vahoaka dia hidera an'i Yaveh.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ireo andininy roa ireo dia mamerina hevitra iray ihany mba hanindriana.
Tsy tena hanjavona ara-bakiteny akory ny volana. Io dia milaza fa raha ampitahaina amin'ny fahazavan'i Yaveh, dia ho tsinontsinona ny hazavan'ny masoandro sy volana.
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary naverina mba hanidriana.
Yaveh dia mampitaha ny olona amin'ny rantsana tanora izay mitsiry izay namboleny toy ny hoe mpamboly Izy. Nametraka ny olony tao amin'ny tanin'ny Israely Yaveh. Io dia manome fanantenana ny olona.
Mampitaha ny vahoakan'Israely amin'ny zavatra nataon'ny mpanao asa-tanana tena mahay Yaveh.
DH: "mba homen'ny olona rehetra voninahitra Aho"
"1.000"
1 Ato amiko ny Fanahin'ny Tompo Yaveh, satria nanosotra ahy hitory vaovao mahafaly amin'izay ory i Yaveh. Naniraka ahy mba hanasitrana ny marary am-po Izy, mba hanambara fahafahana amin'reo babo, ary fisokafan'ny fonja ho an'ireo izay voafatotra. 2 Naniraka ahy mba hanambara ny taona fankasitrahan'i Yaveh, ny andron'ny valifatin'ny Andriamanintsika, sy mba hampionona an'izay rehetra misaona Izy. 3 Naniraka ahy Izy—mba hanome ho an'ireo izay misaona ao Ziona—mba hanome satroka ho azy ireo fa tsy lavenona, diloilom-pifaliana fa tsy fisaonana, lamba fiderana ho solon'ny faharerahan'ny fanahy, mba hiantsoana azy ireo hoe hazon'ny fahamarinana, ilay nambolen'i Yaveh, mba homem-boninahitra izy. 4 Hanangana ireo rava taloha indray izy ireo; hamerina ireo fandravana teo aloha indray izy ireo. Hamerina ireo tanàna rava indray izy ireo, ireo fandravana tamin'ny taranaka maro teo aloha. 5 Hitsangana ary hamahana an'ireo ondry aman'osinareo ireo vahiny, ary ireo zanaka lahin'ny vahiny hiasa ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo. 6 Ho antsoina hoe mpisoron'i Yaveh ianareo; hiantso anareo hoe mpanompon'ny Andriamanintsika izy ireo. Hihinana ny haren'ireo firenena ianareo, ary hirehareha amin'ny haren'izy ireo. 7 Hahazo avo roa heny ianareo solon'ny henatrareo; ary hifaly amin'ny fizaran'izy ireo ianareo solon'ny fahafaham-baraka. Noho izany izy ireo dia hahazo zara avo roa heny amin'ny tanin'izy ireo; hafaliana mandrakizay no ho azy ireo. 8 Fa Izaho, Yaveh, dia tia ny rariny, ary halako ny fandrobana sy ny herisetra tsy ara-drariny. Hamaly azy ireo am-pahamarinana Aho, ary hanao fanekena mandrakizay amin'izy ireo. 9 Ho fantatra eo amin'ireo firenena ny taranak'izy ireo, ary eo amin'ireo vahoaka ny zanak'izy ireo. Izay rehetra mahita azy ireo dia hanaiky azy ireo, fa izy ireo no vahoaka izay notahin'i Yaveh. 10 Hifaly tanteraka amin'i Yaveh aho; ho ravo ao amin'ny Andriamanitro aho. Fa Izy no nampiankanjo ahy tamin'ireo fitafian'ny famonjena; nampiankanjo ahy tamin'ny akanjo lavan'ny fahamarinana Izy, toy ny mpampankatra mandravaka ny tenany amin'ny satroka, ary toy ny ampankarina mandravaka ny tenany amin'ireo firavany. 11 Fa tahaka ny tany mampitsimoka ny zava-maniry ao aminy, no hampanirian'i Yaveh fahamarinana sy fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.
Ny "Fanahy" eto dia ny Fanahy Masin'i Yaveh izay manery sy mandrisika ny olona. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 11:1 na tao amin'ny 42:1.
Io dia manondro ny olona mahantra, ireo izay ao anaty alahelo tanteraka, na ny olona ory izay manan'olana izay tsy voavahan'izy ireo.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Manambara ireo fa hanome fahafahana ho an'ireo voafatotra tokoa Andriamanitra.
Mbola manohy miteny Isaia.
Ireo andianteny roa ireo dia samy manondro ny halavan'ny fotoana. Ny "taona" sy ny "andro" dia samy ohatra izay manambara ny halehibe.
"fotoana izay hahatsara fanahy an'i Yaveh amin'ny vahoakany" (UDB)
Mbola manohy miteny Isaia.
Mamerina ireo Isaia mba hanindriana.
"saron-doha" na "saron-doha tsara tarehy." Io dia tapa-damba lava izay nivalona nanodidina ny loha.
Mihosotra menaka ny olona ary miakanjo tsara, akanjo lava mandritra ny fotoam-pankalazana sy fifaliana.
"ho solon'ny alahelo" na "ho solon'ny fisaonana"
Io dia midika fa nahatonga ny olona hahery sy hatanjaka Yaveh.
DH: "mba hanome voninahitra Azy ny fiainan'olona"
Mbola manohy miteny Isaia ary mampiasa fifanindrinan-dalana amin'ny andalana tsirairay izy.
Mbola manohy miteny amin'ny vahoakan'Israely ilay mpanompon'i Yaveh ary mampiasa fifanindrinan-dalana amin'ny andalana tsirairay izy.
DH: "Hiantso ny olona hoe"
Io dia mety manondro ny zaran-tany avo roa heny.
Io dia mbola manondro ny vahoakan'Israely ihany. DH: "hifaly amin'ny anjaranao ianao...ianao...ny taninao...ho anao"
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. DH: "Ny olona avy amin'ireo firenena hafa dia hahafantatra ny taranak'izy ireo"
Io fehezanteny io dia iharan'ny matoanteny toy ny teo aloha ihany. DH: "ho fantatra eo amin'ireo vahoaka ny zanak'izy ireo"
Ny "aho" dia manondro ny vahoakan'Andriamanitra izay resahina toy ny hoe olona izay naverin'i Yaveh tamin'ny laoniny indray.
Ny vahoakan'Andriamanitra izay resahina toy ny olona iray dia mahazo famonjena sy fahamarinana ho endrika hitan'ny rehetra maso ankehitriny. Ny "fitafiana" sy ny "akanjo lava" dia fitafiana izay hitan'ny olona rehetra.
Io fampitahana io dia manindry fa tena faly loatra, ravo loatra, ary mankalaza loatra ilay olona miteny.
Adikao tahaka ny tao amin'ny 61:3 io.
Io dia milaza zavatra mitovy amin'ny fomba roa. Ny rehetra izay lazain'Andriamanitra fa hataony izay hitranga tokoa dia ampitahaina amin'ny voa mitsimoka ao amin'ny saha mba hitsimoka amin'ny tany ary haniry"
Io dia fiteny izay manoritsoritra ireo hatsaran-toetra ireo toy ny hoe maniry avy amin'ny voa tahaka ny zava-maniry izany.
1 Nohon'ny amin'i Ziona dia tsy hangina aho, ary nohon'ny amin'i Jerosalema dia tsy hikombom-bava aho, mandra-pivoahan'ny fahamarinana mamirapiratra, ary ny famonjeny toy ny fanilo mirehitra. 2 Hahita ny fahamarinanao ireo firenena, ary ny mpanjaka rehetra ny voninahitrao. Ho antsoina amin'ny anarana vaovao ianao izay ho safidian'i Yaveh. 3 Ho satro-boninahitry ny hatsarana eo an-tanan'i Yaveh ihany koa ianao, ary satroky ny fanjakana eo an-tanan'ny Andriamanitrao. 4 Tsy ho lazaina ny aminao intsony ny hoe: "Nafoy"; na ho lazaina amin'ny taninao intsony ny hoe: "Lao." Fa kosa, ho antsoina hoe: "Ilay sitrako," ary ny taninao hoe: "Manambady," satria sitrak'i Yaveh ianao, ary hanambady ny taninao. 5 Tahaka ny tovolahy manambady tovovavy tokoa, no hanambadian'ireo zanakao anao, ary toy ny mpampakatra mifaly amin'ny ampakariny, no hifalian'ny Andriamanitrareo aminareo. 6 Nametrahako mpiambina teo amin'ireo mandanao, ry Jerosalema; tsy mangina izy ireo andro sy alina. Ianareo izay mampatsiahy an'i Yaveh, aza mitsahatra. 7 Aza avela hiala sasatra Izy mandra-pametrahany an'i Jerosalema indray sy mandra-panaovany izany ho fiderana eto an-tany. 8 Nianiana tamin'ny tanany an-kavanana sy tamin'ny sandrin'ny heriny Yaveh hoe: "Azo antoka fa tsy hanome ny varinareo ho sakafo ho an'ireo fahavalonareo intsony Aho. Ireo vahiny dia tsy hisotro ny divay vaovaonareo, izay niasanareo. 9 Fa ireo izay mijinja ny vary dia hihinana izany sy hidera an'i Yaveh, ary ireo izay mioty ny voaloboka dia hisotro ny divay ao amin'ny fitsaràn'ny fitoerako masina." 10 Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady! Homano ny lalana ho an'ny olona! Hamboary izany, hamboary ny lalam-be! Angony ireo vato! Manangàna saina famantarana ho an'ireo firenena! 11 Indro, manambara amin'ny faran'ny tany Yaveh hoe: "Lazao amin'ny zanakavavin'i Ziona hoe: Indro, tonga ny mpanavotra anareo! Jereo, miaraka aminy ny valisoany, ary mandeha eo anoloany ny valin-kasasarany." 12 Hiantso anareo izy ireo hoe: "Ilay vahoaka masina; ilay navotan'i Yaveh," ary ianao dia ho antsoina hoe: "Notadiavina; tanàna tsy nafoy."
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Eto ny hoe "Ziona" sy "Jerosalema" dia samy manambara ny olona izay monina ao Jerosalema avokoa. DH: "Fa nohon'ny vahoakan'i Jerosalema dia tsy hangina Aho"
Io dia tahaka ny hoe manondro an'i Isaia ny hoe "aho"
Ireo fanambarana ireo dia samy manome antoka ny olona fa ho tonga tokoa Andriamanitra ary hanavotra ny vahoakan'Israely ary fa ho tahaka ny fisehon'ny hazavana izany.
Ireo dia midika zavatra iray ihany ary nampiarahana mba hanindriana. Ireo dia milaza fa ho tonga tanànam-panjaka ambany hery sy fahefan' ("ny tanan') Andriamanitra i Jerosalema.
Ireo dia midika zavatra iray ihany ary nampiarahana mba hanindriana.
DH: "Tsy hilaza ny momba anao intsony ny olona hoe"
DH: "na hilaza ny momba ny taninao intsony ny olona hoe"
Io dia midika fa ho tia ny vahoakan'Israely ary hiaraka amin'izy ireo hatrany tahaka ny vadiny Yaveh.
Eto ny "zanaka lahy" dia manondro ny vahoakan'Israely ary ny "anao" dia manondro an'i Joda, dia ny tanin'ny Israely izany. Io dia midika fa haka ny tany toy ny hoe olona izay maka ny vadiny mbola tanora ny olona.
Io dia manindry ny hafalian'Andriamanitra ny amin'ny fifandraisany amin'ny vahoakany.
Eto ny hoe "-ko" dia mety manondro an'i Isaia na Yaveh.
Io dia manondro ireo mpaminany, ireo manamboninahitra, na mety ireo anjely, izay nivavaka tsy tapaka ho an'ny vahoakan'i Jerosalema tahaka ny mpiambina izay miambina tsy tapaka ny tanàna. Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "mpiambina" ao amin'ny 52:7 sy ao amin'ny 56:9.
Io dia midika fa nitalaho hatrany hatrany tamin'i Yaveh izy ireo na nifampiantso izy ireo. DH: "nivavaka mafy tamin'i Yaveh nandritra ny andro tontolo izy ireo"
Eto ny hoe "Izy" dia manondro an'i Yaveh.
Ny tanana havanana sy ny sandry dia manambara ny hery sy fahefana. DH: "tamin'ny hery sy fahefany"
Io dia midika fa tsy hamela ireo fahavalo handresy ny vahoakan'Israely sy haka ny varin'izy ireo intsony Yaveh. Mety naka ny vary mba ho hetra na mba hamahanana ireo tafiny ireo fahavalo taloha.
Ireo fehezanteny ireo dia natambatra mba hanindriana sy hanampiana.
Ireo fehezanteny ireo dia natambatra mba hanindriana sy hanampiana.
Ny teny hoe ''mivoaha" dia naverina mba hanehoana hamehana.
Ny teny hoe "amboary" dia naverina mba hanindriana fa tian'i Yaveh homanina haingana ny lalana. Ny "lalambe" dia manambara ny lalana izay azon'ny olona iverenana. Io dia mitovy amin'ny ao amin'ny 40:3 sy 57:14.
"Alao ny vato eny amin'ny lalana mba halama tsara izany." Ny vato dia manambara ireo sakana rehetra amin'ny fandehanana faingana.
Ny faneva famantarana dia manambara zavatra mba hisarihana ny sain'ny hafa. Io dia midika fa niantso ny olon'ireo firenena hafa mba hahatsikaritra ny tanin'ny Israely sy hahita izay efa notanterahin'i Yaveh araka izay nolazainy fa hatao Yaveh.
"Jereo!"
Ireo toerana eto an-tany izay tena lavitra dia resahina toy ny hoe toerana izay iafaran'ny tany ireo. Miendrika fampisainana sy manondro ny toerana rehetra amin'ny faran'ny tany io andianteny io. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 40:27. DH: "ireo toerana lavitra indrindra eto an-tany" na "ny tany manontolo''
Ny "zanaka vavy" dia manambara ny vahoakan'i Jerosalema (Ziona). Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany mba hanindriana. Jereo ny nandikanao izany andianteny izany ihany tao amin'ny 40:9.
DH: "hiantso anareo izy ireo"
1 Iza ity izay avy any Edoma ity, nitafy akanjo menamena avy any Bozra? Iza moa izy izay nitafy akajon'andriana, mandeha am-pahatokiana noho'ny haben'ny heriny? Izaho izany, izay milaza fahamarinana sy mahavonjy tanteraka. 2 Nahoana no mena ny fitafianao, ary nahoana izy ireo no tahakan'izay efa nanitsakitsaka ny voaloboka eo amin'ny famiazana? 3 Nanosihosy irery ny voaloboka teo amin'ny famiazana Aho, ary tsy nisy na dia firenena iray aza nanantona Ahy. Nohosihoseko tamin'ny fahatezerako sy nitsakitsahiko tamin'ny fahavinirako izy ireo. Ny ràn'izy ireo dia nipitika tamin'ny fitafiako ary voaloto ireo fitafiako rehetra. 4 Fa tsy andriko ny andro'ny famaliako, ary ny taonan'ny fanavotako dia efa tonga. 5 Nijery Aho, ary tsy nisy na iza na iza nanampy. Talanjona Aho fa tsy nisy nanampy, fa ny sandriko no nitondra fandresena ho Ahy, ary ny fahatezerako lehibe no nanohana Ahy. 6 Nitsakitsahiko tamin'ny fahatezerako ireo olona ary nahamamo azy ireo tamin'ny fahavinirako Aho, ary naidiko teo amin'ny tany ny ràn'izy ireo. 7 Hanambara ny asan'ny fanekena mahatokin'i Yaveh aho, ireo asa mendri-piderana nataon'i Yaveh. Hanambara izay rehetra nataon'i Yaveh ho antsika aho, ary ny haben'ny fanaovan-tsoany tamin'ny taranak'Israely. Efa nasehony antsika ny fangoraham-pony nohon'ny famindrampony, ary tamin'ny asa maron'ny fanekena mahatoky. 8 Fa hoy izy: "Fa oloko tokoa ireo, zanaka izay tsy mba tsy mena-mivadika."Tonga Mpamonjin'izy ireo Izy. 9 Tamin'ny fijalian'izy ireo rehetra, dia nijaly koa izy, ary namonjy azy ireo ny anjely avy amin'ny fanatrehany. Amin'ny fitiavany sy ny famindrampony no namonjeny azy ireo, ary nanandratra sy nitondra azy ireo tamin'ny fotoana fahiny rehetra Izy. 10 Fa nikomy sy sosotra tamin'ny Fanahy Masiny izy ireo. Ka tonga fahavalon'izy ireo Izy ary niady hanohitra azy ireo. 11 Ny olony dia nihevitra ireo fotoanan'i Mosesy fahiny. Hoy izy ireo: "Aiza Andriamanitra, izay nitondra azy ireo nivoaka tao amin'ny ranomasina miaraka amin'ny mpiandry ny ondry aman'osiny? Aiza Andriamanitra, izay nametraka ny Fanahy Masina teo amin'izy ireo? 12 Aiza Andriamanitra, ilay nanao ny heriny be voninahiny nandeha tamin'ny tanana ankavanan'i Mosesy, ary nampisaraka ny rano teo anoloan'izy ireo, mba hanaovana anarana mandrakizay ho azy? 13 Aiza Andriamanitra, ilay nitondra azy ireo tamin'ny rano lalina? tahaka ny soavaly mihazakazaka eny amin'ny tany mahitsy, tsy tafintohina izy ireo. 14 Toy ny biby fiompy izay midina an-dohasaha, ny Fanahin'i Yaveh nanome fitsaharana azy ireo. Ka nitondra ny vahoakanao ianao, mba hanaovana anarana fiderana ho anao. 15 Mijere ambany avy eny amin'ny lanitra ary miambena avy eny amin'ny fonenanao masina sy be voninahitra. Aiza ny zotom-ponao sy ny asanao mahery? Ireo asa famindrampo sy ny fangorahanao dia notazomina taminay. 16 Satria rainay ianao, fa Abrahama tsy mahalala anay, ary Israely tsy mahafantra anay, ianao, ry Yaveh, no rainay. 'Mpanavotra anay' no efa anaranao hatramin'ny fahiny. 17 Ry Yaveh, nahoana no avelanao hirenireny hiala amin'ny lalanao izahay ary manamafy ny fonay, mba tsy hankatoavanay Anao? Miverena noho'ny amin'ireo mpanomponao', ny fokon'ny lovanao. 18 Fotoana fohy no nananan'ny vahoakanao ny toeranao masina, dia nitsakitsahin'ny fahavalonay izany. 19 Tonga tahaka ireo izay tsy mbola nofehizinao izahay, tahaka ireo izay tsy mba nantsoina tamin'ny anaranao."
Miresaka Isaia raha mampiasa fanontaniana ary mamaly mba hanambarana izany fampahalalana momba ny fitsaran'i Yaveh an'i Edoma, fahavalon'ny Israely izany ny mpiambina. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Izaho, Yaveh, no tonga avy any Edoma, niakanjo mena avy any Bozra"
Io dia renivohitry ny tanànan'i Edoma.
Eto ny hoe "Izaho" dia manondro an'i Yaveh.
Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Ny mena eo amin'ny akanjonareo dia mahatonga anareo ho tahaka ny hoe nanitsakitsaka voaloboka tao amin'ny famiazam-boaloboka ianareo."
Ny famiazam-boaloboka dia toerana iva nosokirina tamin'ny vato tamin'ny tany izay hanitsakitsahan'ny mpiasa ireo voaloboka mba hamotehana izany amin'ny tongotr'izy ireo, mba hakana ny ranom-boaloboka.
Eto ny hoe "Aho" dia manondro an'i Yaveh. Io sarinteny io dia manondro an'i Yaveh mandringana ireo fahavalony.
Eto ny "andro" dia manondro fe-potoana.
Hanasazy amin'ny fomba izay hitondrana rariny Yaveh. Ny valifatiny dia tsy mitovy amin'ny valifatin'ny olona.
Eto ny "taona" dia manondro fotoana voatendrin'i Yaveh mba hamerenana ny Israely amin'ny laoniny indray.
Mbola manohy miteny Yaveh.
Eto ny "sandry" dia manambara hery.
Midika izany fa nataon'i Yaveh gaga sy tsy misy antony tamin'ny hatezerany sy ny saziny izy ireo.
Eto ny hoe "rà" dia manambara ny ain'ireo fahavalon'i Yaveh izay nivembena ka maty.
Eto ny hoe "aho" dia manondro an'i Isaia.
Eto ny hoe "antsika" dia manondro an'i Isaia sy ny vahoakan'Israely.
"Tamin'ny fijaliantsika." Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely. Nampiditra ny tenany ho anisan'ny vahoaka Isaia.
Eto ny hoe "-ny" dia manondro an'i Yaveh.
Io dia solontena izay nalefa teo anatrehan'Andriamanitra.
Io dia manondro ny fotoana izay niarovan'Andriamanitra sy namonjeny ny vahoakan'Israely tamin'ireo Egyptiana taona maro tany aloha. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava.
"nefa nikomy isika." Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely. Nampiditra ny tenany ho anisan'ny vahoaka Isaia.
"Ny Fanahy Masin'i Yaveh"
"hoy izahay." Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely. Nampiditra ny tenany ho anisan'ny vahoaka Isaia.
Ny tantaran'i Yaveh mahagaga izay nampisaraka ny ranon'ny Ranomasina Mena mba ahafahan'ireo Israelita niampita sy nandositra ny Egyptiana dia fampahalalana efa nihatra.
Ny mpitarika matetika dia tondroina amin'ny hoe "mpiandry ondry." DH: "ireo mpitarika ny vahoakany"
Mbola manohy miteny ny vahoakan'Israely.
Eto ny hoe "tanana ankavanana" dia manambara ny herin'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy. Midika izany fa ny herin'Andriamanitra no namela an'i Mosesy hanasaraka ny ranon'ny Ranomasina Mena.
Midika izany fa tena manana tongotra azo antoka tahaka ny soavaly ao amin'ny tanàna lehibe amin'ny lalan'izy ireo nankany Israely avy any Egypta ny vahoakan'Israely.
Mbola manohy miteny ny vahoakan'Israely.
Io sarinteny io dia maka sary ny biby fiompy mandeha mankany an-dohasaha izay misy ahi-maitso sy rano ary manindry fa nitarika ny vahoakan'Israely sy nikarakara azy ireo Andriamanitra.
Eto ny "anarana fiderana" dia manondro ny voninahitra sy ny lazan'olona. DH: "mba hanomezana antoka fa manan-daza azo antoka ianao"
Mbola manohy miteny ny vahoakan'Israely.
Mampiasa fanontaniana ny mpanoratra mba hanehoana ny fihetseham-po lalina ary voakasika izy satria toy ny hoe tsy nanampy azy ireo Andriamanitra. DH: "Tsy hitanay ny zotom-ponao sy ny asanao mahery!"
DH: "Nitana ny indra-fonao sy ny fangorahanao taminay Ianao"
Ireo razamben'ny firenen'Israely ireo dia tsy hahavita hahalala ny taranak'izy ireo satria niova be tokoa izy ireo. "Abrahama" sy "Israely" dia manambara ny taloha efa lasa.
Mbola manohy miteny ny vahoakan'Israely.
Eto ny mpanoratra dia mampiasa fanontaniana mba hanehoana ny fitarainan'ny olona amin'Andriamanitra. Io fanontaniana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Ry Yaveh, nataonao nirenireny niala tamin'ny lalanao sy hanjary ho mafy loha izahay mba tsy hankatoavanay Anao."
Ny tsy fanaovana izay andidian'i Yaveh dia resahina toy ny hoe olona izay mirenireny miala amin'ny lala-marina izany. DH: "nahoana no nanao izany zavatra tsy mety izany Ianao"
Io dia midika hoe lasa manohitra ny fampianaran'i Yaveh amin'ny fandavana tsy hihaino sy hankatoa Azy. Eto ny "fo" dia manambara ny fahazotoana, ny fihetseham-po ary ny fanirian'izy ireo.
Mbola manohy miteny ny vahoakan'Israely.
Ny "anarana" dia manondro ny rohi-pianakaviana. DH: "izay tsy isan'ny fianakavianao mihitsy"
Ireo dikanteny sasany dia mandika io andalana io amin'ny fomba hafa: "Tahaka ny olona izay tsy mba nanjakanao, tahaka ireo izay tsy mba nantsoina tamin'ny anaranao izahay."
1 "Endrey, raha manasaraka ny lanitra Ianao ka midina! Dia hiozongozona eo anatrehanao ny tendrombohitra, 2 tahaka ny afo rehefa mirehitra amin'ny borosy hazo, na ny afo mampangotraka rano. Endrey, fa ho fantatr'ireo fahavalonao ny Anaranao, fa hangovitra eo anatrehanao ny firenena! 3 Taloha, raha nanao zava-mahagaga izay tsy nandrasanay Ianao, dia nidina Ianao, ary nangovitra teo amin'ny fanatrehanao ny tendrombohitra. 4 Hatramin'ny taloha dia tsy nisy nahare na nahafantatra, na nahita maso Andriamanitra afa-tsy Ianao, izay manao zavatra ho an'izay miandry Azy. 5 Tonga manampy ireo izay mifaly amin'ny fanaovana ny marina Ianao, ireo izay mahatsiaro ireo lalanao sy mankatò ireny. Tezitra Ianao raha nanota izahay. Avotra tamin'ny lalanao foana izahay. 6 Fa tonga tahaka ireo maloto avokoa izahay, ary ireo asam-pahamarinanay rehetra dia tahaka ny ravin-dambam-padim-bolana. Malazo tahaka ny ravina avokoa izahay; ireo helokay dia tahaka ny rivotra, mitondra anay lavitra. 7 Tsy misy miantso amin'ny Anaranao, na miezaka mba hifikitra Aminao. Fa nanafina ny tavanao taminay Ianao ary mandamaka anay eo amin'ny tanan'ireo helokay. 8 Nefa, ry Yaveh, Ianao no Rainay; izahay no tanimanga. Ianao no mpamolavola anay; ary izahay rehetra no asan'ny tananao. 9 Aza tezitra loatra, ry Yaveh, na koa mahatsiaro ireo otanay hanohitra anay. Mba miangavy re jereo izahay rehetra, olonao. 10 Tonga tany karakaina ireo tanànanao masina; tonga tany karakaina i Ziona, lao i Jerosalema. 11 Ny tempolinay masina sy tsara, izay nideran'ny razanay Anao, dia ravan'ny afo, ary ireo rehetra izay maminay dia niongana. 12 Ahoana no mbola hitazananao fotsiny, ry Yaveh? Ahoana Ianao no mitazona fahanginana ary mbola manala baraka anay hatrany?"
Mbola manohy miresaka amin'i Yaveh ny vahoakan'Israely. (Jereo: 63:11)
Mampiditra izany faniriana izany eo anatrehan'i Yaveh tamin'ny tantaran'izy ireo tany aloha amin'ny fahagagana be Isaia.
Raha naneho ny tenany tokoa tamin'ny fandriarana ny lanitra Yaveh. Ny teny hoe "nanasaraka" dia manondro ny fandriarana tapa-damba.
Hiozongozona tahaka ny horohoron-tany ny tendrombohitra.
Io dia mety manindry ny hampiozongozonan'ny fanatrehan'Andriamanitra ny tendrombohitra sy ny olona mora foana.
Mbola manohy miresaka amin'i Yaveh ny vahoakan'Israely.
Ny "maso" dia manondro ny fahitana zavatra. DH: "na nisy olona nahita"
Mbola manohy miresaka amin'i Yaveh ny vahoakan'Israely.
Io dia fomba fiteny izay midika hoe "mahatadidy".
Mbola manohy miresaka amin'i Yaveh ny vahoakan'Israely.
Ny "ravin-damban'ny fadim-bolana" dia lamba izay ampiasain'ny vehivavy mandritra ny fotoana anatin'ny volana rehefa mandeha rà ny tranon-janany. Io dia midika fa tsy nankasitrahan'Andriamanitra avokoa ny andran'izy ireo. Io fehezanteny io dia natao mba hanafintohina.
Mampitaha ny vahoakan'Israely amin'ny ravina izay maina rehefa maty Isaia.
Midika izany fa ny fahotan'izy ireo, amin'ny maha-fiarahamonina, no anton'ny tsy fahombiazan'izy ireo. Mampitaha ny heloka amin'ny rivotra sy ny herin'ny sazy mangirifirin'i Yaveh izay nahazo azy ireo Isaia.
Midika izany fa namela ny vahoakany ary namela azy ireo hijaly Andriamanitra.
Mbola manohy miresaka amin'i Yaveh ny vahoakan'Israely.
Midika izany fa nahary ny vahoakan'Israely Andriamanitra.
Io dia manondro ny hoe mahatadidy ny lasa.
Mangataka an'i Yaveh mba hijery ny tranga mahazo azy ireo Isaia.
Mbola manohy miresaka amin'i Yaveh ny vahoakan'Israely.
Io dia manindry fa rava ireo tanàna ary tsy misy olona mipetraka ao.
DH: "Noravan'ny fahavalo tamin'ny afo ny tempolinay masina sy tsara, izay nideran'ny razanay Anao"
Mampiasa ireo fanontaniana ireo izy ireo mba hanehoana ny hakivian'izy ireo satria tsy mbola tonga hamonjy azy ireo ihany Andriamanitra. DH: "Aza tazaninao fotsiny re izahay, ry Yaveh! Aza mangina fotsiny sy mbola manohy manala baraka anay re!"
1 "Efa vonona ny ho ren'ireo izay tsy nanontany Aho; vonona ny ho hitan'ireo izay tsy nitady. Hoy Aho hoe: 'Inty Aho! Inty Aho!' ho amin'ny firenena izay tsy niantso ny anarako. 2 Efa namelatra ny tanako tontolo andro ho tamin'ny vahoaka mafy hatoka Aho, izay mandeha amin'ny lalana izay tsy tsara, izay efa nandeha araka ny saim-pantany sy ny fikasany! 3 Izy ireo dia vahoaka izay tsy mitsahatra manafintohina Ahy, manao sorona ao amin'ireo zaridaina, ary mandoro ditin-kazo manitra eo ambony tanimanga. 4 Miambina eo amin'ny fasana izy ireo ary eo mandritry ny alina, ary mihinana henan-kisoa miaraka amin'ny ron'ny hena fahavetavetana eo an-dovian'izy ireo. 5 Hoy izy ireo hoe: 'Miataha, aza manakaiky ahy, fa izaho dia masina kokoa noho ianao.' Ireo zavatra ireo dia teo am-bavoroko, afo izay mandoro mandritry ny tontolo andro. 6 Indro, voasoratra eo anoloako hoe: Tsy hangina Aho, fa hampanefa azy ireo; hamaly azy ireo eo am-pofoany, 7 fa ny fahotan'izy ireo sy ny razany dia mitambatra," hoy Yaveh. "Hamaly azy ireo noho'ny fandorana ditin-kazo manitra tao amin'ireo tendrombohitra sy nohon'ny fanesoana Ahy tao amin'ireo havoana Aho. Noho izany dia handrefy ireo asa vitan'izy ireo eo am-pofoany Aho." 8 Izao no lazain'i Yaveh: "Tahaka ny ranom-boankazo hita ao an-tsampahom-boaloka, ka milaza ny iray hoe: 'Aza simbana io, satria misy tsara ao aminy,' izany no hataoko nohon'ny amin'ny mpanompoko: Tsy handringana azy rehetra Aho. 9 Hitondra taranaka avy amin'i Jakoba, sy avy amin'i Joda izay hanana ireo tendrombohitro Aho. Ireo izay voafidiko dia hanana ny tany, ary ny mpanompoko dia honina ao. 10 Sarona dia ho tonga fiandrasana ondry aman'osy, ary ny lohasahan'i Akora ho toerana fampandrian'omby, ho an'ireo oloko izay mitady Ahy 11 Fa ianareo izay mandao an'i Yaveh, izay manadino ny tendrombohitro masina, izay manomana latabatra ho an'ny andriamanitra Gada, ary mameno divay voaharo ny fisotroana ho an'ny andriamanitra Meny. 12 Handahatra anao ho an'ny sabatra Aho, ary ianareo dia hiankohoka amin'ny fahafatesana avokoa, satria fony niantso Aho, dia tsy namaly ianareo; fony niteny Aho, dia tsy nihaino ianareo. Fa nanao izay ratsy teo anatrehako sy nisafidy ny hanao izay tsy mahafaly Ahy ianareo." 13 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: "Indro, hihinana ny mpanompoko, fa ianareo kosa ho noana; indro, hisotro ny mpanompoko, fa ianareo kosa hangetaheta; indro, hiravoravo ny mpanompoko, fa ianareo kosa ho menarina. 14 Indro hihiaka fifaliana ny mpanompoko nohon'ny hafaliam-po, fa ianareo kosa hitomany nohon'ny fanaintainan'ny fo, ary hidradradradra nohon'ny fahatorotoroan'ny fanahy. 15 Hamela ny anaranareo ho ozona ho an'ireo voafidiko mba hiteny ianareo; Izaho, ilay Tompo Yaveh, no hamono anareo; Ho antsoiko amin'ny anarana hafa ireo mpanompoko. 16 Na iza na iza manambara fitahiana ao amin'ny tany dia ho voatahiko, ilay Andriamanitry ny fahamarinana. Na iza na iza mianiana amin'ny tany dia mianiana amin'ny alalako, ilay Andriamanitry ny fahamarinana, satria ho adinoina ireo loza taloha, fa hiafina tsy ho hitan'ny masoko ireo. 17 Fa indro, hamorona lanitra vaovao sy tany vaovao Aho; ary ireo zavatra taloha dia tsy tsaroana na hampatsiahivina. 18 Fa ho faly ianareo ary hiravo mandrakizay ao amin'izay vao ho foroniko. Indro, hamorona an'i Jerosalema ho fifaliana, ary ny mponiny ho sitraka Aho. 19 Hiravoravo manerana an'i Jerosalema, sy ho faly eo amin'ireo vahoakako Aho; ny tomany sy ny tarainan'ny fahoriana dia tsy ho re ao aminy intsony. 20 Tsy hisy zaza madinika hiaina andro vitsy intsony ao; na lehibe maty mialohan'ny androny. Izay maty amin'ny faha zato taona dia heverina ho olona maty tanora. Izay tsy mahatratra ny faha arivo taona dia heverina ho voaozona. 21 Hanorina trano izy ireo ka honina ao amin'izany, ary hamboly voaloboka ka hihinana ny voany. 22 Tsy hanorina trano intsony izy ireo ka ny hafa no hipetraka ao amin'izany; tsy hamboly izy ireo ka ny hafa no hihinana; fa ny andron'ny hazo maniry no ho andron'ny vahoakako. Ny voafidiko dia hisitraka feno ny asan'ny tanany. 23 Tsy hiasa maina izy ireo, na hiteraka mba hampitahotra. Satria izy ireo sy ireo taranany dia zanak'ireo izay voatahin'i Yaveh. 24 Mialohan'ny hiantsoan'izy ireo, dia hamaly Aho; ary raha mbola eo am-pitenenana izy ireo, dia hihaino Aho. 25 Ny amboadia sy ny zanak'ondry dia hiara-hiraoka, ary ny liona hihinana mololo tahaka ny omby; fa vovoka no ho sakafon'ny bibilava. Tsy handratra na hamotika eny amin'ny tendrombohitro intsony izy ireo" hoy Yaveh.
Eto ny hoe "Izaho" dia manondro an'i Yaveh.
Ny hoe "namelatra ny tanako" dia fihetsiky ny olona mba hanehoana fitalahoana na fangatahana mafy. DH: "Mbola nanohy nitalaho ny olona mafy loha mba handray ny famonjeko Aho."
Mbola manohy miresaka momba ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ireo dia manondro ireo toerana izay hanompoan'ireo Kananita sampy. Ireo alitara masina dia natao tamin'ny biriky, izay noraran'i Yaveh tsy hanamboarana ny alitarany. Ireo alitaran'i Yaveh dia natao tamin'ny vato.
Io dia manondro ny fangatahana torohevitra amin'ny maty, fomba izay noraran'i Yaveh.
Tsy namela ny vahoakan'Israely hihinana henan-kisoa Yaveh.
Mbola manohy miresaka momba ny vahoakan'Israely Yaveh.
Mampitaha ireo vahoaka izay mbola manakorontana Azy amin'ny setroka izay manentsina ny fihainan'ny olona Yaveh.
Mampitaha ny vahoakan'Israely amin'ny afo misoka mora izay mamoaka setroka sady manempotra hatrany Yaveh.
Mbola manohy miresaka momba ny vahoakan'Israely Yaveh.
"Diniho ary henoy"
Io dia midika fa hanasazy azy ireo tokoa Andriamanitra. Io fiteny io dia mampitaha an'i Yaveh manasazy ny vahoaka amin'ny fanalana ny tongotr'izy ireo raha mipetraka izy ireo.
Mampitaha ny vahoakan'Israely amin'ny sampahom-boaloka izay mbola misy ranony tsara Yaveh.
DH: "rehefa mahita ranom-boankazo ao amin'ny sampahom-boaloka ianao"
DH: "Hiantra ny sasany aminareo izay marina Aho"
Mbola manohy miteny Yaveh.
Io dia manondro ireo toerana avo indrindra avy Jerosalema sy manerana an'i Joda.
Io dia faritra mamokatra izay hiraofam-bilona.
Io dia anaran-dohasaha izay mety avy any Jerosalema ka mankany atsimon'i Jeriko. Io ihany koa dia faritra mamokatra izay hiraofam-bilona.
Mbola manohy miteny Yaveh.
Adikao tahaka ny tao amin'ny 11:8 io.
Hitondra sakafo sy zava-pisotra ary hametraka izany eo anoloan'ireo sampy ny olona, anisan'ny fanompoan'izy ireo izany.
divay niharo zava-manitra
Ireo dia anaran'andriamani-tsy izy. Ireo ihany koa dia antsoina hoe "Gada" sy "Meny".
Mbola manohy miresaka amin'ireo izay any Israely izay nanompo sampy Yaveh.
Ny "sabatra" dia manambara ireo fitaovam-piadiana izay hampiasain'i Yaveh mba hanasaziana ireo izay tsy mamaly ny antson'i Yaveh.
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary naverina mba hanindriana.
Mbola manohy miresaka amin'ireo izay any Israely izay nanompo sampy Yaveh.
"Diniho sy henoy" mamerina izany mba hanindriana Yaveh.
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary naverina mba hanindriana.
Io fiteny io dia mampitaha ny fahadisoam-panantenana tanteraka sy ny alahelo noho ny zavatra izay lasa simba noho ny tsindry tena mafy.
Mbola manohy miresaka amin'ireo izay any Israely izay nanompo sampy Yaveh.
DH: "Izaho, ilay Andriamanitra izay miteny fahamarinana, dia hitahy azy"
DH: "hanadino ireo loza taloha izy ireo, satria tsy ho ao an'eritreritro intsony ireo loza ireo"
Ny hoe "hiafina tsy ho hitan'ny masoko" dia manambara ny saina sy eritreritr'i Yaveh. DH: "Tsy hihevitra momba ireo intsony aza Aho"
Mbola manohy miteny Yaveh.
"Diniho! Henoy!"
Ireo dia halavirana izay manambara ny zavatra rehetra eo anelanelany.
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary nakambana mba hanindriana. DH: "tsy hihevitra momba izay nitranga tany aloha akory aza ianareo"
Eto ny hoe "ianareo" dia manondro ireo mpanompon'Andriamanitra rehetra.
DH: "tsy misy olona handre ny tomany sy ny tarainan'ny fahoriana ao aminy intsony."
Mbola manohy miresaka momba ny vahoakany mahatoky Yaveh.
"100 taona"
DH: "hihevitra azy ho tanora ny olona"
DH: "hihevitra izany olona izany hoe voaozona ny olona"
Mbola manohy miresaka momba ny vahoakany mahatoky Yaveh.
Ny "andro" dia manondro ny androm-piainana. DH: "fa hiaina ela tahaka ny hiainan'ny hazo ny oloko"
DH: "zanak'ireo izay notahian'i Yaveh izy ireo"
Mbola manohy miresaka momba ny vahoakany mahatoky Yaveh.
Adikao tahaka ny tao amin'ny 11:8 io.
1 Izao no lazain'i Yaveh hoe: "Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro, aiza ary ny trano izay haorinao ho Ahy? Aiza ny toerana izay ahafahako miala sasatra? 2 Ny tanako no nanao ireo zavatra rehetra ireo; izany no nahatonga ireny zavatra ireny hisy_izany no fanambaran'i Yaveh. Izao no olona izay ekeko, izay torotoro sy manenina am-panahy, ary izay mangovitra amin'ny teniko. 3 Izay mamono omby dia mamono olona ihany koa; izay manao sorona ny zanak'ondry dia manapaka ny vozon'alika; izay manolotra fanatitra hoanina dia manolotra ràn-kisoa; izay manolotra ditin-kazo manitra ho fahatsiarovana dia misaotra ny faharatsiana. Nisafidy ireo lalany izy ireo, ary naka fahafinaretana tamin'ireo fahavetavetany. 4 Tahaka izany koa no hisafidianako ny famaizana azy ireo ihany; hoentiko eo amin'izy ireo izay hatahorany, satria rehefa niantso Aho, dia tsy nisy namaly; rehefa niteny Aho, dia tsy nisy na iray aza ka nihaino. Nanao izay ratsy teo imasoko izy ireo, ary nisafidy ny hanao izay zavatra nampahatezitra Ahy." 5 Mihainoa ny tenin'i Yaveh, ianao izay mangovitra amin'ny teniny hoe: "Ireo rahalahinao izay mankahala sy manilika anao nohon'ny anarako niteny hoe: 'Aoka homem-boninahitra i Yaveh, dia ahita ny hafalianao Izy,' fa ho menatra izy ireo. 6 Ny feon'ny ady mitabataba dia avy any amin'ny tanàna, feo avy ao amin'ny tempoly, ny feon'i Yaveh mamaly ireo fahavalony. 7 Fony mbola mietsi-jaza izy, dia teraka; mialoahan'ny fanaintainana ho eo aminy, dia niteraka zazalahy izy. 8 Iza no naheno zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Moa ve ho teraka anaty andro iray ny tany? Afaka hiorina anatin'ny fotoana iray ny firenena? Fony mbola tsy nihetsi-jaza i Ziona, dia efa niteraka ireo zanany. 9 Moa ve mitondra zaza amin'ny fahavononan'ny fahaterahana Aho ka tsy mamela ny zaza ho teraka? _nanontany Yaveh. Na nitondra zaza amin'ny fotoanan'ny fiterahana ka hamerina izany? _manontany Andriamanitrao." 10 Mifalia miaraka amin'i Jerosalema ary mifalia ho azy, ianareo rehetra izay tia azy; mifalia miaraka aminy, ianareo rehetra izay malahelo azy! 11 Fa hitaiza ianao ary ho afapo; hampiononina eo amin'ireo nonony ianao; fa hisotro izany amin'ny hafenoana sy fahafinaretanan'ny voninahiny be ianao. 12 Izao no lazain'i Yaveh: "Handeha hampiely fanambinana manerana azy tahaka ny renirano Aho, ary ny haren'ny firenena ho tahaka ny loharano mitondraka. Hinono amin'ny ilany ianao, ho eo an-tsandriny, ary ho ahindrahindra eo amin'ireo lohaliny. 13 Tahaka ny ankaherezan'ny reny ny zanany, noho hankaherezako anao, ary hankaherezina ianao ao Jerosalema." 14 Hahita izany ianao, dia hifaly ny fonao, ary ny taolanao hitsimoka tahaka ny ahi-maitso. Hampahafantarin'i Yaveh ireo mpanompony ny tanany. Fa hampiseho ny hatezerany hanohitra ireo fahavalony Izy. 15 Fa indro, tonga miaraka amin'ny afo, ary tonga tahaka ny tafio-drivotra ireo kalesiny mba hitondra ny hafanan'ny fahatezerany sy ny fitenenany mafy miaraka amin'ireo lelan'afo. 16 Fa hanao ny fitsarana amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny afo sy ny sabany Izy. Ho maro ireo izay hovoavonon'i Yaveh. 17 Manamasina ny tenany sy manadio ny tenany izy ireo, ka afaka miditra ao an-tsaha, manaraka ny iray izay eo afovoany mihinana nofon-kisoa sy ireo zavatra vetaveta tahaka ny voalavo. [1] "Ho avy amin'ny fiafarana izy ireo_izany no fanambaran'i Yaveh." 18 Fa fantatro ireo asany sy ireo eritreriny. Ho avy ny fotoana rehefa hanangona ireo firenena sy ireo fiteny rehetra Aho. Ho avy izy ireo ary hahita ny voninahitro. [2]19 Hametraka famantarana mahery eo amin'izy ireo Aho. Avy eo dia handefa ireo sisa tsy maty avy amin'izy ireo any amin'ireo firenena Aho: Any Tarsisy, Pola, ary Lydia, mpandefa zana-tsipìka izay manenjana ireo tsipìkany, Amin'i Tobala, Javana, ary ireo amoron-tsiraka alavitra izay tsy nahenoan'izy ireo Ahy na nahitany ny voninahitro. Hanambara ny voninahitro manerana ny firenena izy ireo. 20 Hampiverina ireo rahalainao rehetra hivoaka ireo firenena rehetra izy ireo, tahaka ny fanatitra ho an'i Yaveh. Ho avy amin'ny soavaly, sy anatin'ireo kalesy, anatin'ireo filanjana, ambonin'ireo ampondra, ary ambonin'ireo rameva, ho any amin'i Jerosalema tendrombohitro masina_hoy Yaveh. Fa ny vahoakan'i Israely dia hitondra fanatitra vary anaty lovia madio ho ao an-tranon'i Yaveh. 21 Na ny sasany amin' izyireo aza dia hofidiko ho mpisorona sy Levita_hoy Yaveh. 22 Fa tahaka ireo lanitra vaovao sy tany vaovao izay hataoko dia hitoetra eo anatrehako_izao no fanambaran'i Yaveh_ka hitoetra ireo taranakao, ary hitoetra ny anaranao. 23 Fa amin'ny volana iray ka hatramin'ny manaraka, ary ny Sabata iray ka hatramin'ny manaraka, ho avy hiankohoka Amiko ireo olona rehetra_hoy Yaveh. 24 Hivoaka izy ireo ary hahita ireo fatin'olona izay nikomy hanohitra Ahy, fa ny kankana izay mihinana azy ireo dia tsy ho faty, ary ny afo izay handevina azy ireo dia tsy ho voavono; ary ho rikoriko ho an'ny nofo rehetra izany."
Mampitaha ny lanitra amin'ny seza fiandrianana sy ny tany amin'ny fitoeran-tongotra Yaveh mba hanindriana fa tena lehibe Izy.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo Yaveh mba hanindriana fa tsy misy olombelona afaka manangana toerana mba hitoerany.
Mbola manohy miteny Yaveh.
Ny "tanana" dia manondro ny hery sy fahefan'i Yaveh, fa tsy ny vatany akory.
Adikao tahaka ny tao amin'ny 14:21 io.
Eto ny hoe "torotoro" sy "manenina" dia manondro ny olona izay tena manetri-tena sy izay mijaly nohon'ny finoany.
Mbola manohy miteny Yaveh.
Ireo fehezanteny efatra ireo dia samy manoritsoritra ny asan'ny olona ratsy fanahy amin'ny fomba samihafa avokoa ary samy midika zavatra iray ihany mba hanindriana.
"Nisafidy ny hanao zava-dratsy izay mivily amin'ny lalan'i Yaveh izy ireo"
Mbola manohy miresaka momba ny olona ratsy fanahy Yaveh.
Eto ny hoe "imaso" dia manondro an'i Yaveh mihevitra ny fitondran-tenan'izy ireo. DH: "Nanao izay noheveriko ho ratsy izy ireo"
DH: "Omeo voninahitra Yaveh" na "Hanome voninahitra Azy ihany anie Yaveh"
DH: "nefa halako baraka izy ireo"
Manoritsoritra ny sazin'ny fihatsarambelatsihin'ireo mpanompo sampy Yaveh.
Ny feo dia manambara ny tena ady izay ao an-tempoly raha nitondra ny sazy Yaveh.
Mbola manohy miteny Yaveh.
Miresaka momba an'i Ziona toy ny hoe vehivavy izay efa hiteraka Yaveh. Na dia rava aza Ziona ary tsy monina ao intsony ny olona, dia mampanantena Yaveh fa ho tonga eo aminy tsy mitaredretra sy amin'ny ezaka kely Izy.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo Yaveh mba hanindriana fa tsy hanampaharoa izany tranga izany. Ireo fanontaniana ireo dia mampisy fieritreretana mandra-pahavoatonona an'i Ziona.
Mbola manohy miresaka momba an'i Jerosalema toy ny hoe reny Yaveh. (Jereo: 66:7)
Mampiasa ireo fanontaniana ireo Yaveh mba hanindriana fa hahatanteraka ireo fampanantenany tamin'ny vahoakan'i Jerosalema Izy.
Mbola manohy miresaka momba an'i Jerosalema toy ny hoe reny ary ireo mponin'i Jerosalema toy ny hoe zaza vao teraka Yaveh. (Jereo: 66:7)
Io dia midika fa ho toerana izay milamina sy fampiononana ny vahoakan'Andriamanitra i Jerosalema. DH: "Fa hahafa-po anareo amin'ny ronono izy; hampionona anareo amin'ny nonony izy"
Mbola manohy miresaka momba an'i Jerosalema toy ny hoe reny Yaveh. (Jereo: 66:7)
Midika izany fa hahatonga ny olon'ireo firenena hitondra harena be dia be, izay ho tahaka ny ony maharitra sy betsaka Andriamanitra.
Io dia midika fa ho toerana izay milamina sy fampiononana ny vahoakan'Andriamanitra i Jerosalema.
DH: "hilanja anao eo an-tsandriny ary hanindrahindra anao eo amin'ny lohaliny amim-pankasitrahana izy"
DH: "no hampiononako anao any Jerosalema"
Miresaka amin'ny vahoakan'Andriamanitra mahatoky Isaia.
Ny "taolana" dia manondro ny vatana manontolo ho ampahan'izany.
Ny "ahi-maitso" dia maniry haingana sy be ary ampitahaina amin'ny harena sy ny herin'ny olon'Andriamanitra mahatoky.
Eto ny "tanana" dia manondro ny heriny. DH: "Hanambara ny heriny amin'ireo mpanompony Yaveh"
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Andriamanitra mahatoky Isaia.
Ny endrik'i Yaveh tao amin'ny Testamenta Taloha matetika dia tamin'ny afo izay manambara ny hatezerana sy ny fitsaran'i Yaveh.
Ny tafio-drivotra dia manondro ny asa maherin'i Yaveh izay anaovany ny fitsarany ho mahomby.
Ny "sabatra" dia fitaovam-piadiana izay manambara ny ady sy ny famonoana rehetra.
DH: "Hamono olona maro Yaveh"
Mbola manohy miteny Isaia.
Ny hoe "izy ireo" dia ireo izay manompo an'i Yaveh nefa tsy manohitra ny lalàny.
Io dia toerana izay azon'ny olona hanompoana ireo sampy.
Io dia manoritsoritra ny mpitarika ireo izay mandeha manompo sampy.
Adikao tahaka ny tao amin'ny 14:21 io.
Eto ny hoe "-tro" dia manondro an'i Yaveh.
Eto ny hoe "-ny" dia manondro ireo mpanompo sampy izay mpihatsaravelatsihy izay nosoritsoritan'i Yaveh teo aloha.
Ireo dia anarana faritra izay lavitra ny tanin'ny Israely.
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo vahiny izay sisa velona sy valombelon'ireo firenena. Hiverina any Jerosalema miaraka amin'ireo Israelita voasesitany izy ireo.
Adikao tahaka ny tao amin'ny 11:8 io.
Adikao tahaka ny tao amin'ny 65:17 io.
Adikao tahaka ny tao amin'ny 14:21 io.
Mamarana miteny Yaveh.
Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ny olona, ireo Israelita mahatoky ary ireo vahiny, izay tonga mba hanompo an'i Yaveh.
Ireo teny roa ireo dia samy manoritsoritra hevitra iray ihany ary manindry ny fanasazian'i Yaveh.
Ny kankana dia manondro ny horohoron'ny fahalovana izay sazin'i Yaveh ho an'ny ratsy fanahy.
Ny afo ihany koa dia manambara ny fanasazian'i Yaveh.
DH: "hirehitra mandrakizay"
Io fiteny io dia manambara ny zava-boary manan'aina rehetra izay navotana tsy ho faty.
1 Ireto no tenin'i Jeremia zanak'i Hilkia, iray amin'ireo mpisorona tao Anatota tao amin'ny tanin'i Benjamina. 2 Tonga taminy ny tenin'i Yaveh tamin'andron'i Josia zanak'i Amona, mpanjakan'i Joda, tamin'ny fahatelo ambin'ny folo taona nanjakany. 3 Tonga ihany koa izany tamin'ny andron'i Joiakima zanak'i Josia, mpanjakan'i Joda, hatramin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia zanak'i Josia, mpanjakan'i Joda, rehefa nalaina ho gadra ny vahoakan'i Jerosalema. 4 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 5 "Talohan'ny nanaovako anao tao am-bohoka, dia efa nifidy anao Aho; talohan'ny nivoahanao tao am-bohoka dia efa natokako ianao; dia efa nanao anao ho mpaminany amin'ireo firenena Aho." 6 "Oh, ry Yaveh Tompo!" Hoy aho hoe: "Tsy mahay miresaka aho, fa mbola tanora loatra." 7 Fa i Yaveh nilaza tamiko hoe: "Aza manao hoe 'tanora loatra aho.' Fa tsy maintsy mandeha ianao na aiza na aiza hanirahako anao, ary tsy maintsy milaza izay rehetra handidiako anao ianao! 8 Aza matahotra azy ireo, fa momba anao mba hamonjy anao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh." 9 Koa dia naninjitra ny tanany i Yaveh, nikasika ny vavako, ary nilaza tamiko hoe: "Ankehitriny, efa napetrako eo am-bavanao ny teniko. 10 Anio Aho dia manendry anao eo amin'ireo firenena sy eo amin'ireo fanjakana, mba hanongotra sy handrodana, mba handringana sy handrava, mba hanorina ary hamboly. 11 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: "Inona no hitanao, ry Jeremia?" Hoy aho hoe: "Mahita rantsan-kazo amygdala aho." 12 Hoy i Yaveh tamiko: "Efa nahita tsara ianao, fa mitandrina ny teniko Aho mba hanatanteraka izany." 13 Tonga tamiko fanindroany ny tenin'i Yaveh, manao hoe: "Inona no hitanao?" Ary hoy aho: "Vilany mahamay no hitako, izay mangotraka ny tampony, mitongilana mianavaratra." 14 Hoy i Yaveh tamiko hoe: "Hisokatra avy any avaratra amin'izay rehetra monina ao amin'io tany io ny loza. 15 Ambaran'i Yaveh, fa hiantso ny foko rehetra avy any avaratran'ny fanjakana Aho. Ho tonga izy ireo, ary ny rehetra dia hametraka ny seza fiandrianany eo amin'ny vavahady fidirana ao Jerosalema, hanohitra ireo manda rehetra manodidina izany, ary hanohitra ireo tanàn'i Joda rehetra. 16 Izaho dia hanonona didim-pitsarana hanohitra azy ireo noho ny faharatsian'izy ireo rehetra tamin'ny fahafoizana Ahy, amin'ny fandoroana ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamani-kafa, ary amin'ny fanompoana ireo izay namboarin'ny tanan'izy ireo ihany. 17 Aoka ho vonona ny tenanao! Mitsangàna ary lazao azy ireo izay rehetra nandidiako anao. Aza torotoro manoloana azy ireo, sao hanorotoro anao manoloana azy ireo Aho! 18 Indro! Anio Aho dia efa nanao tanàna voaaro mafy, sy andry vy, ary manda varahina hanohitra ny tany manontolo ho anao— hanohitra ny mpanjakan'i Joda, ireo manam-pahefany, ireo mpisorony, ary ireo olona amin'ny tany. 19 Hiady hanohitra anao izy ireo, fa tsy haharesy anao, fa homba anao Aho mba hamonjy anao—izany no fanambaran'i Yaveh."
anaran-dehilahy
anaran-tanàna
Io dia fomba fiteny izay nampiasaina ampidirana zavatra izay nolazain'Andriamanitra tamin'ny mpaminaniny na ny vahoakany. DH: "niteny izao hafatra izao Yaveh" na "niteny ireo teny ireo Yaveh"
Izany no anaran'Andriamanitra izay nambara tamin'ny vahoakany tao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejin'ny fandikan-teny momban'i Yaveh mahakasika ny fomba handikana izany.
"Tonga tamin'i Jeremia"
"nanjakan'i Jeremia"
"Ny tenin'i Yaveh dia tonga ihany koa"
Izany dia ny volana fahadimy amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny faran'ny volana Jolay hatramin'ny fiandohan'ny volana Aogositra.
"nanjakan'i Zedekia"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
"Tonga tamin'i Jeremia"
"nanamboarako" na "nanorotoroko"
"izay nambaran'i Yaveh" na "izay nolazainy Yaveh"
DH: "nanome anao ny hafatro izay ho lazainao amin'ny vahoaka."
misintona ilay hazo hiala amin'ny tany, mifanohitra amin'ny mamboly "hazo"
mifanohitra amin'ny "manangana"
Nampiasa ireo teny izay saika mitovy ny dikany ireo i Jeremia mba ampisehoana fa hitranga tokoa izany.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Nampiseho fahitana ara-panahy an'i Jeremia Yaveh.
hazo misy voa
Ny teny Hebreo ho an'ny "amygdala" sy "mitandrina" dia mitovy ny feony. Andriamanitra dia te ampatsiahy an'i Jeremia fa tiany hahomby ny teniny isaky ny mahita rantsan-kazo amygdala izy.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Ireo mpitarikin'ny fanjaka tavaratra rehetra
DH: "hipetraka eo amin'ny fitsarana eo amin'ny fidiran'ny tanàna"
"hanambara ny fomba hanasaziko azy ireo"
Aza matahotra mafy ... hatahotra mafy
potehina
"henoy!"
ireo fitaovana vy fantatra fa mafy indrindra tamin'izany andro izany.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
1 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Mandehana ary manambarà amin'i Jerosalema. Milazà hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: Nahatsiaro ny anaranao Aho tamin'ny tsy fivadiham-pahatokianao tamin'ny fahatanoranao, ny fitiavanao tamin'ny fotoana nivadiantsika, rehefa nanaraka Ahy tany an'efitra ianao, dia ilay tany izay tsy namafazana. 3 Israely dia natokana ho an'i Yaveh, ireo voaloham-bokatry ny vokany! Izay rehetra mihinana amin'ireo voaloham-bokatra dia nomelohina; tonga tamin'izy ireo ny loza—izany no fanambaran'i Yaveh."' 4 Henoy ny tenin'i Yaveh, ry fianakavian'i Jakoba sy ry fianakavian'Israely rehetra. 5 Izao no lazain'i Yaveh: "Inona no olan'ny razambenareo Amiko, no niala lavitra tamin'ny fanarahana Ahy izy ireo? ka lasa nanaraka sampy tsy misy dikany sy lasa tsy misy dikany izy ireo? 6 Izy ireo dia tsy niteny hoe: 'Aiza i Yaveh, izay nitondra anay niakatra avy tao amin'ny tany Egypta? Aiza i Yaveh, izay nitarika anay tany an'efitra, tao amin'ny tanin'i Arabaha sy ny lavaka, tao amin'ny tany hay sy ny aizim-pito, tany iray izay tsy misy na iza na iza mandalo ary tsy misy mitoetra?' 7 Fa nitondra anareo tany amin'ny tany Karmela Aho, mba hihinana ny voany sy ireo zavatra tsara hafa! Fa rehefa tonga ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, nataonareo fahavetavetana ny lovako! 8 Ny mpisorona dia tsy nilaza hoe: 'Aiza i Yaveh?' ary ireo manam-pahaizana manokana amin'ny lalàna dia tsy miraraha ny momba Ahy! Ireo mpiandry ondry nanota tamiko. Ireo mpaminany naminany ho an'i Bala ary nanaraka ireo zavatra tsy mahasoa. 9 Koa mbola hiampanga anareo hatrany Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—ary hiampanga ireo zanaky ny zanakareo Aho. 10 Fa miampità eny amin'ny sisin'i Kitima ka jereo. Mandefasa mpitondra hafatra ho any Kedara ka tadiavo ary jereo raha mbola nisy zavatra tahaka ity taloha. 11 Nifanakalo andriamanitra ve ny firenena, na dia tsy andriamanitra akory aza ireo? Kanefa ny oloko dia nanakalo ny voninahitr'izy ireo tamin'ny zavatra izay tsy afaka manampy azy ireo. [1]12 Mihovitrovitra ny lanitra noho izany! Aoka ho tohina sy hihorohoro—izany no fanambaran'i Yaveh. 13 Fa efa nanao ratsy roa tamiko ny vahoaka: Izy ireo dia nahafoy ny loharanon'ny ranovelona, nihady famorian-drano ho an'ny tenan'izy ireo, ary namaky famorian-drano izay tsy mahatazona rano akory. 14 Moa andevo ve Israely? Teraka tao amin'ny tranon'ny tompony ve izy? Koa nahoana izy no lasa mpandroba? 15 Nierona taminy ny liona tanora. Nitabataba fatratra izy ireo ka nanao ny taniny ho mahatsiravina. Rava ireo tanànany ka tsy nisy mponina. 16 Ny vahoaka tao Memfisa sy Tapanesa ihany koa dia hanaratra ny karan-dohanao. 17 Moa tsy nanao izany tamin'ny tenanao ve ianao rehefa nahafoy an'i Yaveh Andriamanitrao, raha mbola nitarika anao tamin'ny lalana Izy? 18 Koa ankehitriny, nahoana no mandeha amin'ny lalana ho any Egypta sy misotro ny ranon'i Sihora? Nahoana no mandeha amin'ny lalan'i Asyria ary misotro ny ranon'ny Onin'i Eofrata? 19 Mandatsa anao ny haratsianao, manasazy anao ny fivadihanao. Koa diniho izany ary takaro fa rehefa mahafoy an'i Yaveh Andriamanitrao ianao dia ratsy sy mangidy izany, ary aza matahotra Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh Tompo tompon'ny maro. 20 Fa efa nanapaka ny zioganao izay nanananao tamin'ny andro taloha Aho; efa namaha ireo gadranao Aho. Fa mbola milaza hatrany ianao hoe: 'Tsy hanompo aho!' satria mbola miankohoka amin'ny havoana avo rehetra sy eny ambany hazo mandravina rehetra ianao, ry mpijangajanga. 21 Tahaka ny voaloboka nosafidiana no namboleko anao, avy amin'ny voa tsara tokoa. Tamin'ny fomba ahoana no nanovànao ny tenanao ho ratsy, ho voaloboka ratsy? 22 Fa na manadio ny tenanao amin'ny ony na manasa ny tenanao amin'ny savony mahery aza ianao, dia loto eo anatrehako ny helokao—izany no fanambaran'i Yaveh Tompo. 23 Ahoana no ahafahanao milaza hoe: 'Tsy maloto aho! Tsy nandeha nanaraka an'i Bala aho'? Jereo izay nataonao tao amin'ireo lohasaha! Diniho izay vitanao—rameva vavy haingam-pandeha mihazakazaka etsy sy eroa ianao, 24 ampondradia zatra tany efitra, izay manimbolo hifoka rivotra! Iza no afaka hanakana ny faniriany? Amin'ny fotoana fahatairana dia tsy misy lahy mila manaraka azy; fa hahita azy ho azy izy ireo. 25 Tsy maintsy fehezinao ny tongotrao rehefa tsy manao kapa ary ny tendanao rehefa mangetaheta! Fa niteny ianao hoe: 'Tsy misy fanantenana izany! Tsia, tiako ireo vahiny ary mandeha manaraka azy ireny aho!' 26 Tahaka ny fahafaham-barakan'ny mpangalatra rehefa hita izy, no hahafa-baraka ny ankohonan'Israely—izy ireo, ny mpanjakan'izy ireo, ireo andrian-dahiny, ireo mpisorony ary ireo mpaminaniny! 27 Ireo no miteny amin'ny hazo hoe: 'Ianao no raiko', ary amin'ny vato hoe: 'Ianao no niteraka ahy.' Fa ny lamosin'izy ireo no manatrika ahy fa tsy ny tavan'izy ireo. Na dia izany aza, dia miteny izy ireo amin'ny fotoan'ny olana hoe: 'Mitsangana ary vonjeo izahay!' 28 Aiza ireo andriamanitra nataonareo ho an'ny tenanareo? Aoka izy ireo hiarina raha maniry ny hamonjy anareo amin'ny fotoan'ny olanareo, fa ny isan'ny tanànanareo dia mitovy amin'ny isan'ny sampinareo, ry Joda! 29 Koa nahoana ianareo no miampanga Ahy amin'ny fanaovana ny tsy mety? Efa nanota tamiko avokoa ianareo rehetra—izany no fanambaran'i Yaveh. 30 Zava-poana ny namaizako ny vahoakanao. Tsy hanaiky ny fepetra izy ireo. Ny sabatrareo dia nandrapaka ireo mpaminaninareo tahaka ny liona mpandrava! 31 Ianareo izay an'ity taranaka ity! Tandremo tsara ny teniko, dia ny tenin'i Yaveh! Efa tany efitra tamin'Israely ve aho? Na tanin'ny haizimpito lalina? Nahoana ny vahoakako no milaza hoe: 'Ndeha isika hirenireny, tsy handeha eo aminao intsony izahay'? 32 Hanadino ny firavany ve ny virijiny, ary ny ampakarina ny voaliny? Efa andro tsy hita isaina izay no nanadinoin'izy ireo Ahy! 33 Akory ny hatsaran'ny lalanao hitady fitia. Efa nampianatra ny lalanao tamin'ny vehivavy ratsy fanahy aza ianao. 34 Efa hita teny amin'ny akanjonao ny ràn'ny ain'izay tsy manan-tsiny, ny an'ny olona mahantra. Tsy hita nanao asa fandrobana ireo olona ireo. 35 Fa hoy kosa ianao hoe: 'Tsy manan-tsiny aho, efa niala tamiko tokoa ny hatezerany.' Kanefa indro! Izaho dia hitsara anao nohon'ny fitenenanao hoe: 'Tsy nanota aho.' 36 Nahoana no hamaivaninao ity fiovana tamin'ny fombanao ity? Ho diso fanantenana amin'ny Egypta ihany koa ianao, toy ny tamin'i Asyria. 37 Ho kivy ihany koa ianao hiala avy ao, miaraka amin'ny tananao eo an-dohanao, satria i Yaveh efa nandà ireo izay nitokianao, ka tsy ho ampian'izy ireo ianao."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
tamin'i Jeremia
DH: "Mandehana ary miresaha amin'ny olona ao Jerosalema"
"ho an'ny tombotsoanao"
"rehefa nifanaiky voalohany isika fa hivady," rehefa nitia azy ireo Israelita ary tsy nivadika taminy
DH: "ilay tany izay tsy nisy namafy" na "ilay tany izay tsy misy sakafo novolena"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ireo fehezateny roa ireo dia mitovy ny heviny ary natambatra mba ho fanamafisana. DH: "ianareo taranak'i Jakoba rehetra"
DH: "Tsy nanao ratsy tamin'ireo razambenareo Aho, koa nanafintohina Ahy izy ireo tamin'ny tsy fankatoavana Ahy ary nanomboka nanompo ireo andriamanin-kafa tsy misy dikany.
"Isika dia tokony hianatra izay tian'i Yaveh ho ataontsika. Izy ilay tokana nitondra antsika ... Egypta, ary Izy ilay tokanaizay nitarika antsika ... mitoetra?
DH: "Tany no nanotanareo ary nandotoanareo ny tany izay nomeko anareo"
DH: "Tsy nahafanatra Ahy ireo mpisorona sy mpitarika finoana hafa."
"Izahay dia mila mankatoa an'i Yaveh"
"Nanota tamiko ny mpitarik'izy ireo"
"ireo mpitarika"
DH: "ary nivavaka tamin'Andriamanitra fa tsy afaka ny hanampy azy ireo"
"nankatoa"
"Noho izany, mbola hiampanga ny ankohonan'Israely foana Aho"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
"ireo taranakareo ho avy"
"namakivaky ny ranomasina ary ny nosin'i kitima"
Kyprosy
Tany alavitra ny atsinanan'Israely
"Ho hitanareo fa tsy misy firenena nifanakalo ... andriamanitra."
Io fomba fiteny io dia manondro an'Andriamanitra tenany, izay "voninahitrin"' ny vahoakan'Israely.
"ireo andriamanitra izay tsy afaka manampy azy ireo"
Ilay miteny dia nitodika ary niresaka tamin'ny lanitra toy ny hoe olona.
DH: "nahafoy ahy, ny loharanon'izy ireo"
Ireo sampy dia nampitahaina tamin'ny famorian-drano efa simba. DH: "nivavaka tamin'ireo andriamanitra tsy misy ilana azy"
"lavaka lalina fitehirizana rano"
DH: "Tsy nateraka ho andevo ianareo vahoakan'Israely; fa nobaboin'ireo fahavalonareo."
DH: "Nalaina an-keriny ve ny zavatra rehetra nanananao?"
DH: "Niherona tahaka ireo liona tanora ireo fahavalonao nanafika anao. Nopotehin'izy ireo ny taninao ary nodorany ny tanànanao mba hisy afaka hiaina eo amin'ireo."
Ny miherona dia feo mafy ataon'ny bibidia.
Fiantso ireo olona izay miaina eo amin'ny toerana iray
tanàna ao Egypta
Ireo Egyptiana dia manaratra ny lohan'ny andevon'izy ireo mba hanamarihana azy ireo hoe andevo.
Misy amin'ireo dikan-teny mderina mandika ny lahatsoratra Hebreo hoe "nandavaka ny karan-dohanao"
DH: "Ianareo no nahatonga izao tamin'ny tenanareo tamin'ny fahafoizana an'i Yaveh Aandriamanitrareo, raha nitarika anareo tamin'ny lalana iny Izy."
DH: "Tsy tokony andeha ho any Sihora ianareo mba hihavana amin'ireo mpanapaka ao Egypta. Tsy tokony ho any amin'ny Onin'i Eofrata ianareo mba hihavana amin'i Asyria!
Faritany atsimon'i Eofrata, fiandrian-drano efa maina
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika fa ny fanasaziana azy ireo dia vokan'ny fitondran-tena ratsin'izy ireo. DH: "Satria ianareo ratsy fanahy sy tsy nahatoky dia ho saziko ianareo."
Eto ny teny "mangidy" dia mamaritra ny "ratsy fanahy." DH: "tena ratsy izany."
DH: "Taona maro tany aloha dia nanafaka anareo tamin'ny fanandevozana Aho, saingy nandà ny hanompo Ahy ianareo!"
"Nihankohoko tamin'ireo sampy ary nanompo azy ireo toy ny ataon'ny vehivavy mpijangajanga amin'ny lehilahy vadiny ianareo"
Rojo vy izay nampiasaina mba hamatorana olona na biby
DH: "Izaho, Yaveh, dia nametraka anareo teo amin'ny fiandohana tena tsara."
Apetraka amin'ny tany mba haniry
DH: "ianao dia meloka tamin'ny fanotana"
Eto ny loto dia nampiasaina hilazana ny otan'Israely
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
"nanompo an'i ..."
DH: "Tokony handinika ireo zavatra efa vitanao teny amin'ireo lohasaha ivelan'i Jerosalema ianao. Miazakazaka mivezivezy etsy sy eroa manenjika izato sy izato toy ny rameva tanora izay tsy mahalala izay andehanany ianao."
DH: "Ianao dia tahaka ampondra vavy miaina any an'efitra. Rehefa taitra izy dia tsy mahafehy ny tenany ary mifoaka tsio-drivotra foana mitady lahy. Tsy mila mitady azy akory ireo ampondra lahy satria izy no hanatona azy ireo."
mitady rano
olona izay mbola tsy nihaona tamintsika tany aloha
"rehefa tratra izy"
"ny vahoaka"
DH: "Ireo vahoaka ireo dia ireo izay miresaka amin'ny hazo voasikotra hoe: "Ianao no raiko," ary amin'ny vato voasikotra hoe: "ianao no niteraka."
DH: "nivadika tamiko izy ireo ary tsy nanompo Ahy" na "nitodika tamiko izy ireo ka tsy nahita afa-tsy ny lamosin'izy ireo Aho, fa tsy ny endrik'izy ireo"
DH: "midina ry Yaveh ary vonjeo izahay."
DH: "ry Israely, mitaraina tamiko ianao fa diso Aho rehefa tsy namonjy anareo Aho raha niantso Ahy ianareo."
mahavita miteraka fahapotehana lehibe
DH: "Ry ankohonan'i Joda, aoka ianareo hitandrina izay nolazaiko anareo."
DH: "tsy mbola nandao anao tany an'efitra Aho na namelanao tao amin'ny tany izay tena maizina?"
DH: "Nahoana ianareo no miteny hoe: "Afaka mandeha any amin'izay tianay aleha ary tsy hanompo an'i Yaveh intsony ve izahay'?"
miodikodina ary mitetitety toerana fotsiny fa tsy misy lalana aleha mazava
Nanomboka nibedy ny vahoakany Yaveh tamin'ny fanadinoana Azy
"fotoana tena ela"
Yaveh dia milaza fa ireo Israelita dia lasa tena mahay manaraka ireo andriamanitra sandoka ka mahavita manoro ny mpivarotena ny fomba ahitany mpanjifa
DH: "Ianao dia meloka tamin'ny famonoana ny olona mahantra sy tsy manan-tsiny, olona izay tsy nanao na inona na inona nandratra anao." Yaveh dia milaza fa ireo Israelita dia efa namono olona izay tsy nanao na inona na inona tamin'izy ireo.
DH: "Ianao dia tsy nahatratra ireo olona ireo nangalatra"
"isika"
DH: "Azo antoka fa hijanona tsy ho tezitra amintsika Yaveh."
"hanasazy mafy"
Nibedy ireo Israelita Yaveh satria niala tamin'ny fanjakany izy ireo mba hitady fanampiana saingy tsy nahatoky an'Andriamanitra hanampy azy.
tsy miraharaha
nalahelo na tsy faly satria tsy nanaiky hiaro azy ireo ny mpanjakan'i Egypta.
DH: "Ho kivy ihany koa ianao hiala avy ao Egypta"
nalahelo satria tsy nahazo ny fampanantenana fanampian'ny Egyptiana.
Mampiseho olona misaona izany
1 "Raha misy lehilahy iray misaraka amin'ny vadiny ka miala aminy izy ary lasa vadin'olon-kafa, dia mbola hiverina aminy indray ve izy? Tsy haloto be ve izany tany izany? Efa niaina tahaka ny mpijangajanga izay manana sakaiza maro ianao; dia mbola hiverina amiko? —izany no fanambaran'i Yaveh. 2 Ampiakaro any amin'ireo momba ny masonao ary jereo! Misy toerana mbola tsy niraisanao ara-nofo antsokosoko ve? Teo amoron-dalana ianao no nipetraka niandry ireo sakaizanao, toy ny Araba any an'efitra. Efa nolotoinao tamin'ny fijangajanganao sy ny faharatsianao ny tany. 3 Ka notohanana ny loharano ary tsy tonga ny fara-orana. Fa ny tavanao miavonavona, toy ny tarehim-behivavy mahatsiravina. Nolavinao ny hatsapa henatra. 4 Mba efa niantso ahy ve ianao izao hoe: "Ry raiko! Ny namako akaiky avy amin'ny fahatanorako! 5 Dia ho tezitra amiko foana ve izy? Dia ho tazominy hatramin'ny farany ve ny hatezerany?' Indro! Izany no efa nolazainao, nefa ataonao ny ratsy rehetra afaka ataonao!" 6 Ary hoy Yaveh tamiko tamin'ny andron'i Josia mpanjaka: "Efa itanao ve izay fivadihana nataon'ny Israely? Dia niakatra nanerana ny havoana avo rehetra izy teo ambany ala mikitroka, ary tany no nanaovany toy ny fijangajangana. 7 Hoy aho: 'Aorian'ny anaovany izany zavatra rehetra izany, dia hiverina amiko izy,' saingy tsy niverina izy. Avy eo ny anabavin'ny Joda mpivadika nahita ireo zavatra ireo. 8 Koa dia hitako fa, tamin'ny fomba mitovy no efa nijangajangan'Israely mpivadika ary efa nandroaka azy aho ary efa nomeko hanohitra azy ny vavan'ny fisaraham-panambadiana, ny anabavin'ny Joda mpivadika tsy mba natahotra; nivoaka ihany koa izy ary nanao tahaka ny fijangajangana; 9 tsy nisy dikany taminy ny fijangajangany; nitety ny tany izy; ary nanao fanitsakitsaham-bady tamin'ireo vato sy hazo izy. 10 Ary taorian'izany rehetra izany, ny anabavin'ny Joda mpivadika dia niverina taminy, tsy tamin'ny fony rehetra, fa tamin'ny lainga—izany no fanambaran'i Yaveh." 11 Dia niteny tamiko Yaveh hoe: "Marina kokoa noho ny joda mpivadika ny Israely mpivadika! 12 Mandehana ary ambarao any avaratra ireo teny ireo. Lazao hoe: "Miverena, ry Israely mpivadika! —izany no fanambaran'i Yaveh—tsy ho tezitra aminareo foana Aho. Hatramin'izay maha mpatoky Ahy—Izany no fanambaran'i Yaveh—tsy hijanona ho tezitra mandrakizay aho. 13 Aoka ianao hiaiky ny helokao, satria efa nanota tamin'i Yaveh Andriamanitrao ianao; efa nizara ny fombanao tamin'ireo vahiny ambany ny hazo midoroboka rehetra! Satria ianao tsy nihaino ny feoko! — Izany no fanambaran'i Yaveh. 14 Miverena, ry vahoaka manam-pinoana! —izao no fanambaran'i Yaveh—Izaho no vadinareo! Halaiko ianareo, ny iray avy amin'ny tanàna ary ny roa avy amin'ny fianakaviana, ary ho entiko any amin'ny Ziona ianareo! 15 Homeko mpiandry ondry araka ny foko ianareo, ary hiambina anareo amin'ny fahaizana sy halalinan-tsaina izy ireo. 16 Ary izao no hitranga, hitombo ianao ary hitondra voankazo any amin'ny tany amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh—ary dia hiteny foana izy ireo hoe: "Ny fiaran'ny faneken'i Yaveh!" Izany zavatra izany dia ho avy ao am-pon'izy ireo foana na ho tsaroana; tsy ho banga izany, ary ny iray hafa tsy ho vita.' 17 Amin'io fotoana io dia hanambara mahakasika an'ny Jerosalema izy ireo hoe: 'Ity ny seza fiandrianan'i Yaveh,' ary ireo firenen-kafa rehetra dia hiangona any Jerosalema amin'ny anaran'i Yaveh. Dia handeha amin'ny hamafisan-dohan'ny faharatsian'ny fony foana izy ireo. 18 Amin'izany andro izany ny ankohonan'ny Joda dia handeha ao amin'ny ankohonan'ny Israely. Dia hiara tonga avy any amin'ny tany avaratra izy ireo mankany amin'ny tany izay nomeko ny razambenareo ho lova. 19 Fa amiko, hoy aho hoe: "Endrey ny faniriko hanome voninahitra anao tahaka ny zanako lahy ary hanome anao tany tsara, lova tsara indrindra noho izay an'ny firenen-kafa! Tsy maintsy hiteny aho hoe: "Hiantso ahy ianao hoe: "Raiko". Dia niteny aho hoe tsy tokony nivadika tamin'ny fanarahana ahy ianareo. 20 Saingy tahaka ny vehivahy mahatoky ny vadiny, efa namadika Ahy ianao, ry ankohonan'Israely—izany no fanambaran'i Yaveh." 21 Re teny amin'ireo tany lemaka ny feo, ny tomany sy ny fiangavian'ny vahokan'Israely! Fa nanova ireo fombany izy ireo, efa hadinon'izy ireo Yaveh Andriamanitr'izy ireo. 22 "Miverena, ry vahoaka tsy manam-pinoana! Ho sitraniko amin'ny fitaka ianareo." Indro! Hoavy any Aminao izahay, fa Ianao no Yaveh Andrimanitray! 23 Ho avy eny amin'ireo havoana tokoa ireo lainga, ny feo mampisafotofoto avy amin'ireo tendrombohitra; Yaveh Andriamanitra tokoa no famonjen'Israely. 24 Fa efa nanimba ny asan'ny razambe antsika Ireo sampy mahamenatra— ireo ondry aman'osy sy ny biby fiompin'izy ireo, ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'izy ireo! 25 Avelao izahay handry eo amin'ny fahamenarana. Andrakotra anay anie ny henatray, fa efa nanota tamin'i Yaveh Andriamanitray izahay! Izahay tenanay sy ny razambe anay, tamin'ny fotoan'ny fahatanoranay ka hatramin'izao andro izao, dia mbola tsy naheno ny feon'i Yaveh Andriamanitray!"
Manohy miresaka ny tao amin'ny toko, Jeremia 2 teo aloha Yaveh
DH: "tsy handray anao Aho raha hiezaka ny hiverina Amiko ianao."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
"ataovy miandrandra"
"Ianao dia tahaka ny vehivavy izay mandeha eny rehetra eny ary mamela ny lehilahy rehetra haka azy ka hiara-mandry aminy
Io dia manondro ireo andiana mpandroba tany Arabia.
mandry niaraka tamin'ny lehilahy maro
"henoy"
niakatra ... ny vahoakan'Israely
ireo tampon-tendrombohitra sy ambanin'ny alok'ireo hazo no toerana mahazatra hanompoana sampy.
"ny vahoakan'i Joda izay tsy nankato ahy ihany koa dia nahita"
Nanohy ny firesahany Yaveh.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ireo mety ho heviny dia "izay tia ny tiako" na "izay maniry ny fankasitrahako."
Ny andian-teny "hitondra voankazo" dia fomba fiteny hilazana fa "hitombo isa" izy ireo. DH: "hitombo an'isa."
"ny vahoakan'i Joda dia hiara-hipetraka amin'ny vahoakan'Israely"
ny teny "... ko" dia manondro an'i Yaveh
Io fiovana lehilahy mankany amin'ny vehivavy io dia fanamafisana lehibe.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
"Naheno feo ny olona"
"tomany mafy sy fiangaviana mafy"
Ny teny "Indro" eto dia manaitra antsika mba hifantoka amin'ny fampahalalam-baovao tsy ampoizina manaraka eo.
Ny vahoaka dia nanantena fitarihana sy tombontsoa avy amin'ny fanompoan-tsampy saingy tsy nahita afa-tsy lainga.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy fa izy ireo dia mahafantatra ny fitondran-tena maha menatr'izy ireo. DH: "Avelao izahay ho afa-baraka tanteraka."
"ny fiantombohan'ny firenena"
DH: "izay no lazain'i Yaveh"
1 "Raha miverina ianao, ry Israely— izao no fanambaran'i Yaveh—dia Amiko no tokony hiverenanao. Raha hesorinao tsy ho eo anoloako ireo zavatra maharikorikonao ary tsy hiala eo amiko indray ianao, 2 dia aoka ianao ho feno fahamarinana, hahitsy, ary ho marina rehefa mianiana hoe: 'Raha mbola velona koa Yaveh.' Dia ho sambatra ao aminy ireo firenena, ary ao aminy no hanomezan'izy ireo voninahitra." 3 Fa izao no lazain'i Yaveh amin'ny olona tsirairay tao Joda sy Jerosalema: 'Ny taninao ihany no hasao, ary aza mamafy eny amin'ny tsilo. 4 Forao ho an'i Yaveh ny tenanareo ary esory ny hoditra manarona ny fonareo, ry lehilahin'i Joda sy mponin'i Jerosalema, raha tsy izany dia hivoaka toy ny afo ny fahatezerako, ka hirehitra tsy misy hamono azy, nohon'ny faharatsian'ny asanareo. 5 Tantero any Joda ary aoka izany ho re ao Jerosalema. Lazao hoe: "Tsofy eo amin'ny tany ny trompetra." Torio hoe: "Miangòna. Andeha isika hankany amin'ireo tanàna voaaro." 6 Asandrato ny saina famantarana ary ataovy manondro an'i Ziona izany, ary mitsoaha hitady fiarovana! Aza mijanona, satria hitondra loza avy any avaratra Aho ary fandrodanana lehibe. 7 Misy liona hivoaka avy ao an-kirihiny ary efa miainga ny olona izay handringana ny firenena. Mandao ny toerany izy mba hitondra horohoro eo amin'ny taninao, hamadika ireo tanànanareo ho faharavana, izay tsy hisy honina. 8 Noho izany, rakofy lamba fisaonana ny tenanao, mitomania ary midradradradrà. Fa tsy niala tamintsika ny herin'ny fahatezeran'i Yaveh. 9 Ary hitranga izany amin'izany andro izany—izao no fanambaran'i Yaveh—dia ho ketraka ny fon'ny mpanjaka sy ireo mpifehiny. Hihoron-koditra ireo mpisorona, ary hivarahontsana ireo mpaminany."' 10 Koa hoy aho hoe: "Oh! Ry Tompo Yaveh. Namitaka ity vahoaka ity sy Jerosalema tokoa Ianao tamin'ny filazana hoe: 'Hisy fiadanana ho anareo.' Kanefa ny sabatra dia mamely ny ain'izy ireo." 11 Amin'izany fotoana izany dia ho lazaina amin'ity vahoaka ity hoe: "Hisy rivotra mandoro avy any amin'ny lemak'ireo efitra hanao ny lalany ho any amin'ny zanaka vavin'ny oloko. Tsy hikororoka na hanadio azy ireo izany. 12 Hisy rivotra mahery lavitra noho izany ho avy amin'ny fibaikoako, ary hanome sazy azy ireo Aho. 13 Indro, mamely tahaka ny rahona izy, ary tahaka ny tafiotra ny kalesiny. Haingan-pandeha noho ny voromahery ny soavaliny. Loza ho antsika, fa ho rava isika! 14 Diovy hiala amin'ny faharatsiana ny fonao ry Jerosalema mba ho avotra ianao. Ho Mandra-pahoviana ny fihevitrao lalina indrindra no ho amin'ny fahotana? 15 Fa nisy feo nitondra vaovao avy any Dana, ary ny loza ho avy dia re avy any an-tendrombohitr'i Efraima. 16 Ataovy sainin'ny firenena izao: Indro, ambarao amin'i Jerosalema fa misy mpanao fahirano ho avy avy any an-tany lavitra mba hihiaka ady amin'ny tanànan'i Joda. 17 Ho tahaka ireo mpiambina manodidina ny saha fambolena izy ireo hanohitra azy, satria efa nikomy nanohitra Ahy izy—izany no fanambaran'i Yaveh— 18 ary ny fitondran-tenanareo sy ny asanareo dia nahatonga ireo zavatra ireo taminareo. Izany no ho famaizana anareo. Hatsiravina tokoa izany! Handona ny fonareo mihitsy izany. 19 Ry foko! Ry foko! Mitaintaina ny ao am-poko. Mangorohoro ato anatiko ny foko. Tsy afa-mangina aho satria reko ny feon'anjomara, fanairana ho amin'ny ady. 20 Ny loza omban'ny loza; fa mitoetra amin'y faharavana ny tany manontolo. Tampoka teo dia rava ny laiko, sy ny lambako tao anatin'ny fotoana fohy. 21 Ho mandra-pahoviana no ahitako ny zavatra mitovy amin'izany? No hahenoko ny feon'anjomara? 22 Fa ny fahadalan'ny oloko—tsy mahalala Ahy izy ireo. Vahoaka adaladala izy ireo ary tsy manana fahazavan-tsaina. Kinga amin'ny ratsy izy ireo, saingy tsy mahay manao ny tsara. 23 Hitako ilay tany. Indro! Tsy nisy endriny sady foana izany. Fa tsy nisy fahazavana ho an'ny lanitra teo. 24 Nitazana ny tendrombohitra Aho. Indro, nangovingovitra ireo, ary ny havoana dia nihovitrovitr. 25 Nijery aho. Indro, tsy nisy na iza na iza, ary ny voron'ny lanitra rehetra dia nandositra avokoa. 26 Nijery aho. Indro, tany efitra ny tanim-boly ary ny tanàna dia voasintona nidina teo anatrehan'i Yaveh, teo anatrehan'ny fisafoaky ny fahatezerany." 27 Izao no lazain'i Yaveh: "Ho tonga faharavana avokoa ny tany manontolo, saingy tsy ho potehiko tanteraka izany. 28 Noho izany antony izany, dia hisaona ny tany, ary ny lanitra any ambony dia hihamaizina. Fa efa nambarako ny fikasako; tsy hihemotra Aho; tsy hivadika amin'ny fanatanterahana azy ireo Aho. 29 Handositra amin'ny kotaban'i mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka miaraka amin'ny zana-tsipika ny tanàna rehetra; hihazakazaka ho any an'ala izy ireo. Ny tanàna rehetra dia hianika eny amin'ny toerana feno vatovato; ho foana ireo tanàna, satria tsy hisy olona honina ao amin'ireny. 30 Ary ankehitriny rehefa rava ianao, inona no ho ataonao? Fa na dia miakanjo jaky aza ianao, mihaingo firavaka volamena, ary manabe kokoa ny masonao amin'ny loko, ireo lehilahy izay nitsiriritra anao dia efa nandà anao izao. Fa kosa, mitady hifofo ny ainao izy ireo. 31 Koa reko ny feon'ny fangirifiriana, fahoriana tahaka ny amin'ny fahaterahan'ny zaza voalohan-teraka, dia ny feon'ny zanaka vavin'i Ziona. Misefosefo izy. Mamelatra ny tanany izy hoe: 'Loza ho ahy! Ketrak'ireo mpamono olona ireo aho."'
"Raha miverina Amiko ianao, ry vahoakan'Israely" na "raha manova ny fitondran-tenanao ianao, ry vahoakan'Israely"
Ny mety ho heviny; ity dia famerenana ny fehezanteny voalohany: "raha miverina amiko ianao," DH: "ary miverena Amiko" na "ary miverena manompo Ahy indray."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Io fehezanteny io dia manondro ireo sampy toy ny zavatra izay mendrika hatezerana lehibe. DH: "Esory eo anatrehako ireo sampy marikorikonao"
Ny "miala" dia sarinteny hilazana ny tsy fivadihana. DH: "mitoera hatoky Ahy"
Niteny ireo olona Yaveh mba hanomana ny fiainan'izy ireo toy ny mpamboly manomana ny tany hamboleny.
Yaveh dia mamaritra ny fanoloran-tenan'ny olona Aminy amin'ny fanekena ny famantarana ara-batana. DH: "Atolory ho an'i Yaveh manontolo ny tenanao."
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ireo no miaraka dia hanamafisana ilay didy.
Ny hatezeran'i Yaveh dia tahaka ny afo izay maninba ny zava-drhetra. DH: "Ireo zavatra izay ho ataoko satria tezitra Aho dia ho tahaka ny afo."
Ireo fehezanteny ireo dia mitovy ny heviny. Ireo no nampiarahana dia hanamafisana ilay didy.
DH: "ataovy mandre izany ny vahoaka ao Jerosalema"
Ireo teny ireo dia mitovy ny heviny. Ny andian-teny "fandrodanana lehibe" dia mamaritra izay ho fisehon'"ilay loza".
Io dia manondro ireo tafika fahavalo izay tonga avy any avaratra.
DH: "Misy tafika mahery sady tsy mpamindra-fo manatona"
karazana bozaka izay miara-maniry eo akaiky eo.
DH: "nanomboka nandeha"
tahotra, fanafitohinana
tomany lavareny nohon'ny alahelo sy fibebahana tamin'ny fanotana.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
"Yaveh dia hilaza"
Ho avy ny fahavalo masiaka sy mamindra-fo.
Ny firenena dia nampitahaina tamin'ny vehivavy ampakarina miavaka amin'ny fomba feno fitiavana.
Ny teny "hikororoka" sy "hanadio" dia samy midika fanalana ny ratsy ary famelana ny tsara. DH: "tsy hanala ny otan'izy ireo izany."
Eto ny "fibaikoako" dia manondro ny fihetsi'Andriamanitra mandidy ny rivotra mba ho avy.
Io dia fomba fiteny Hebreo izay nadikan'ny dikan-teny vaovao sasany hoe "ho Ahy" na "avy Amiko."
"hanambara ny sazin'izy ireo"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ilay faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany. DH: "Ny tafikin'ny fahavalo dia mandravarava toy ny tafiotra mahery"
Izao no nolazain'ny olona rehefa ny tafika fahavalo nanatona izy ireo. DH: "Hoy ny olona hoe: 'tena ho potika tokoa isika."
Nampitandrina ny olona niaina tao Jerosalema Andriamanitra mba hibebaka. DH: "hoy Yaveh tamin'ireo olona nipetraka tao Jerosalema hoe: 'mila manova fitondran- tena ianareo."
"mpitondra hafatra nanambara"
"nandre ny loza ho avy ny vahoaka"
Ireo olona dia nahafantatra fa ireo toerana ireo dia nampiseho fa efa manakaiky azy ireo izany fampitandremana izany.
DH: "izy ireo dia hanao fahirano ny manodidina ny tanàna rehetra"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
DH: "hamotika ny zava-drehetra tianareo"
"Anaty fangirifiriana aho, difotra aho."
feno fikorontanana, herisetra, na tsy filaminana, tsy milamina
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ilay faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany. DH: "maniry ny hifaranan'ity ady ity haingana aho."
"vahoaka tsy misaina"
Io dia fanasana an'i Jeremia hijery ny fahitana omen'Andriamanitra azy.
Io fahitana io dia faminaniana izay mety ho endrin'ny tanin'Israely aorian'ny fambaboana ny vahoakan'Israely.
Ny teny "Indro" dia manaitra antsika mba hifantoka amin'ny vaovao tsy ampoizina manaraka eo.
Manamafy ny fitsaran'i Yaveh i Jeremia tamin'ny filazana fa ny tany haneho fisaonana lehibe.
Andiana miaramila mitaingina soavaly
Io dia manamafy fa ny olona rehetra dia hitsoaka avokoa.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ilay faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany. DH: "tsy hisy olona ho tavela ao amin'ireo tanàna ireo."
"manao fiakanjon'ny mpivarotena ianao"
"mandravaka" na "manampy zavatra izay mahasarika na lafo kokoa"
Io dia manamafy fa ireo firenena hafa izay niankinan'Israely amin'ny harena sy fandraharana dia handà azy ireo rehefa mahita ny fitsaran'Andriamanitra izy ireo.
"fahoriana toy ny fanaitainana sy fijalian'ny vehivavy miteraka"
"vizakin'ny alahelo ny fiainako"
1 "Mihazakazaha maneran'ireo lalan'i Jerosalema; mitadiava ihany koa eny an-kianjan'ny tanànany. Ary diniho sy eritrereto ny momba izao: raha mahita olona na iza na iza manao ny marina ary miezaka mandeha am-pahatokiana, dia hamela an'i Jerosalema aho. 2 Na dia miteny aza izy ireo hoe: 'Raha mbola velona Yaveh,' dia manao fianianana diso izy ireo." 3 Ry Yaveh, moa ny masonao tsy mijery fahamarinana? Mamely ny olona Ianao, nefa tsy mahatsiaro fanaintainana izy ireo. Nandresy tanteraka azy ireo Ianao, nefa tsy mbola mety mandray fitsipika izy ireo. Manao ny tavany ho mafy noho ny vato izy ireo, satria mandà tsy hibebaka. 4 Ka hoy aho hoe: "Azo antoka fa olona mahantra ihany ireo. Adala izy ireo, satria tsy mahalala ny lalan'i Yaveh, na ireo lalàn'ny Andriamanitr'izy ireo. 5 Handeha ho any amin'ny olona ambony aho ary hanambara ny hafatr'Andriamanitra amin'izy ireo, fa farafaharatsiny izy ireo mahalala ny lalan'i Yaveh, ireo lalàn'ny Andriamaniny." Kanefa niara-nandrava ny ziogany izy rehetra; nanapaka ny rojo vy izay namatotra azy ireo tamin'Andriamanitra izy rehetra. 6 Noho izany dia hisy liona avy ao anaty kirihitrala hanafika azy ireo. Hisy amboadia avy any Arabaha handrava azy ireo. Hisy leoparda miafina ho avy hanohitra ny tanànan'izy ireo. Izay mandeha any ivelan'ny tanànany dia ho ravàna. Fa mitombo ny fandikan-dalàn'izy ireo. Tsy misy fetra ny asa fivadihan'izy ireo. 7 Nahoana aho no tokony hamela ireny olona ireny? Nandao ahy ireo zanakao ary nanao fianianana tamin'ireo izay tsy andriamanitra. Namahana feno azy ireo Aho, fa nijangajanga izy ireo ary nandeha maro an'isa tany amin'ireo tranon'ny mpivarotena. 8 Soavaly ao anaty fahatairana izy ireo. Nivezivezy te hiray izy ireo. Ny lahy tsirairay dia samy nihika tamin'ny vadin'ny mpiara-monina azy avy. 9 Koa tsy tokony hanasazy azy ireo ve Aho— izany no fanambaran'i Yaveh—ary tsy tokony hanao valifaty amin'ny firenena tahaka izany ve Aho? 10 Miakàra eny amin'ny tanim-boalobony mimanda ary poteho. Fa aza mamotika tanteraka azy ireo. Esory ny voalobok'izy ireo satria tsy avy amin'i Yaveh ireo voaloboka ireo. 11 Fa namitaka Ahy tanteraka ny taranak'Israely sy Joda— izany no fanambaran'i Yaveh. 12 Niresaka diso momban'i Yaveh izy ireo ary hoy izy ireo hoe: "Tsy hanao na inona na inona Izy; tsy hisy ratsy ho avy amintsika, ary tsy hahita sabatra na mosary isika. 13 Ho tonga rivotra ireo mpaminany, tsy ao amin'izy ireo ny teny, koa aoka ho atao amin'izy ireo izay lazain'izy ireo." 14 Noho izany Yaveh, ilay Andriamanitry ny maro dia milaza izao: "Satria nilaza izany ianao, dia indro, hapetrako ao am-bavanaro ny teniko. Ho tahaka ny afo izany, ary ity vahoaka ity ho tahaka ny hazo! Satria handevona azy ireo izany. 15 Indro! hitondra firenena avy lavitra hanohitra anareo Aho, ry taranak'Israely—izany no fanambaran'i Yaveh— firenena maharitra izany, firenena taloha! Izany dia firenena izay tsy fantatrareo ny fiteniny, na ho azonareo izay lazainy. 16 Ny tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra. Miaramila avokoa izy rehetra. 17 Noho izany dia ho levona ny vokatrareo, ny zanakareo lahy sy vavy ihany koa, ary ny sakafonareo. Hihinana ireo ondry aman'osy sy biby fiompinareo izy ireo; hihinana ny vokatra avy amin'ny voaloboka sy hazon'aviavinareo izy ireo. Handrava amin'ny sabatra ny tanàna mimandanareo izay itokianareo izy ireo. 18 Fa na dia tamin'ireo andro ireo aza— izao no fanambaran'i Yaveh— dia tsy manan-kevitry ny hamotika tanteraka anareo Aho. 19 Rehefa miteny ianareo, ry Israely sy Joda hoe: 'Nahoana Yaveh Andriamanintsika no nanao ireny zavatra rehetra ireny tamintsika?' ary avy eo ianao, ry Jeremia, hiteny amin'izy ireo hoe: 'Tahaka ny nafoizanareo an'i Yaveh sy nanompoanareo andriamanitra vahiny teo amin'ny taninareo, dia tsy maintsy hanompo vahiny eo amin'ny tany izay tsy anareo ihany koa ianareo.' 20 Tatero any amin'ny taranak'i Jakoba ity ary aoka izany ho ren'i Joda. Lazao hoe: 21 'Henoy ity, ianareo ry vahoaka adala izay tsy manana fahazavan-tsaina; izay manana maso fa tsy afa-mahita, ary manana sofina ianareo fa tsy afa-mandre. 22 Tsy matahotra Ahy ve ianareo—izany no fanambaran'i Yaveh—na mangovitra manoloana ny tavako? Nametraka tora-pasika nanohitra ny ranomasina Aho, lalàna efa mihatra izay tsy afaka dikaina izany— na dia manonjanonja aza ny ranomasina, dia tsy mbola mahadika azy izany. Na dia manonja mierona aza izany, dia tsy hihoatra an'izany. 23 Fa manana fo mafy ity vahoaka ity. Mivily any amin'ny fikomiana izany ary dia nandao. 24 Satria izy ireo dia tsy niteny tao am-pon'izy ireo hoe: "Aoka isika hatahotra an'i Yaveh Andriamanintsika, ilay mitondra ny orana —ilay loha-orana sy fara-orana— amin'ny fotoanan'izany, mihazona ireo herinandro voatondron'ny vokatra ho antsika." 25 Nihazona ireo zavatra ireo tsy hitranga ny helokareo. Nanakana ny tsara ho avy aminareo ny fahotanareo. 26 Satria hitako teo amin'ny oloko ny ratsy fanahy. Mijery toy ny olona mamitsaka hisambotra vorona izy ireo; nametraka fandrika izy ireo ary nisambotra olona. 27 Tahaka ny akany feno vorona, dia feno fitaka ny tranon'izy ireo. Koa miha mitombo izy ireo ary lasa manan-karena. 28 Niha natavy izy ireo; namirapiratra amin'ny fahamandinana. Niampita ny faharatsiana rehetra izy ireo. Tsy mitaraina amin'ny raharahan'ny olona izy ireo, na ny raharahan'ny kamboty. Ambinina izy ireo na dia tsy nanome rariny ny olona mila fanampiana aza. 29 Tsy tokony hanasazy azy ireo noho ireo zavatra ireo ve Aho— izany no fanambaran'i Yaveh—ary tsy hamaly faty ny firenena tahaka ity ve Aho? 30 Habibiana sy horohoro no nitranga teo amin'ilay tany. 31 Maminany amim-pitaka ireo mpaminany, ary manapaka amin'ny fahefany manokana ireo mpisorona. Tian'ny oloko izany, fa inona no hitranga amin'ny farany?"'
Miresaka amin'ny vahoakan'ny Jerosalema i Jeremia.
"Nikoropaka erakin'ny"
"diniho ka zahao"
Toerana malalaka sy mivelatra ao amin'ny tanàna izay hivorian'ny olona.
"na raha afaka mahita olona iray"
"manao izay rariny"
Ny teny "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'i Jerosalema.
Nampiasa io ny olona rehefa manao fianianana mba angatahana amin'i Yaveh ny hanasaziana azy ireo raha toa ka mivadika amin'ilay fianianana.
Nampiasa io fanontaniana io i Jeremia mba hanamafisana fa ny tena ilain'i Yaveh dia ny fahamarinana. DH: "maniry ny olona mba ho marina Ianao."
DH: "Nanasazy ny olona Ianao, saingy tsy nijery izy ireo."
"namotika tanteraka"
"handray ny leson'izy ireo"
DH: "lasa mafy loha izy ireo."
Miteny i Jeremia.
Ny zioga sy ny rojo vy dia misolo-tena ny didy izay mamatotra anAndriamanitra sy ny vahoakany.
Ireo dia biby masika izay afaka mamono olona. Ireo azo andikana azy 1) " ho avy ny bibidia ary hamono olona" na 2) "misy tafikin'ny fahavalo ho avy ary hamono olona"
karazana bozaka izay miara-maniry eo akaiky eo.
Alika masiaka mampidi-doza
saka vaventy mampidi-doza
Tsy tambo isaina
Nampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanamafisana fa tsy misy antony tokony hamelany ireo olona ireo. DH: "Nohon'ireo zavatra izay efa nataon'izy ireo, dia tsy afaka ny hamela heloka azy ireo Aho."
ny vahoakan'i Jerosalema
Yaveh dia miresaka amin'i Jerosalema toy ny hoe vehivavy zay efa manan-janaka. DH: "ny vahoakan'i Jerosalema."
"nanome ny zava-drehetra nilain'izy ireo Aho."
"ary vondrona maro no nankanyamin'ny tranon'ny mpivarotena"
"izay vonona ny ampanarahana"
rehefa manaraka ny biby mba ahazoana taranaka
Ireo soavaly lahy dia mihika mafy amin'ireo soavaly vavy rehefa te hiray amin'izy ireo. DH: "Ny lahy tsirairay dia miezaka ny miray amin'ny vadin'ny mpifanolo-bodirindrina amin'izy ireo."
Nampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanamafisana fa tena ratsy ny zavatra nataon'izy ireo ka tsy hamindra fo sy hanajanona ny tenany amin'ny fanasaziana azy ireo Izy. DH: "Satria izy ireo nanao ireo zavatra ireo, dia ho saziako izy ireo ... hamaly faty azy ireo ho Ahy tokoa Aho."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
manohy miteny Yaveh.
"miakara eny amin'ireo mandany." Yaveh dia nampitahy ny tanànan'i Jerosalema amin'ny tanim-boaloboka izay misy manda manodidina azy.
Miresaka amin'ireo fahavalon'ny mponina miaina ao Jerosalema Yaveh.
"aza ravana tanteraka izy ireo"
Yaveh dia mampitaha ny fomba handringanan'ireo fahavalon'i Jerosalema azy toy ny fomba fanapahan'ny olona ny ratsam-boaloboka. DH: "Handringana ireo olona ratsy fanahy satria izy ireo dia tsy avy amin'i Yaveh."
DH: "ny vahoakan'Israely sy Joda."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Io dia azo adika koa hoe: "niresaka lainga mahakasika Ahy izy ireo"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny, Ilay faharoa dia mazava kokoa noho ilay voalohany.
Io fomba fiteny io dia midika fa "tsy hisy zava-dratsy hitranga amintsika."
DH: "ary tsy hiaina anaty ady na mosary isika."
Ny teny "ianareo" eto dia manondro ny vahoakn'Israely sy Joda.
Jereo ny zavatra nolazain'ny vahoaka tao amin'ny 5:10.
DH: "jereo" na "henoy" na "henoy ny zavatra ho lazaiko anareo"
"ho avadiko afo ireo teny izay nasaiko nolazainao"
Ny teny "... nao" eto dia manondro an'i Jeremia.
ny vahoakan'Israely
"handoro ny vahoakan'Israely ny afo" Ny tenin'i Yaveh dia handoro ireo olona toy ny hazo main'ny afo. DH: "satria handrava ny vahoakan'Israely ianao rehefa hiteny ny teniko."
"hanafika anareo." Ny ten "ianareo" eto dia manondro ny vahoakan'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 2:4.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy ny fotoana nisian'ilay firenena. DH: "io dia firenena efa antitra sady naharitra ela!"
"firenena mafy" na "firenena miaritra"
DH: "firenena izay tsy ho azonao ny fiteniny."
Ireo zana-tsipika zay avy tao amin'ny tranony dia namono olona maro ary nandefa azy ireo any am-pasana. DH: "izany firenena izany dia hampiasa zana-tsipika hamonoana vahoaka maro."
Ny teny "... any" dia manondro ny firenena izay entin'i Yaveh hanafiana an'Israely.
DH: "Noho izany ny tafik'izany firenena izany dia hinana izay voakatrareo."
Ny teny "izy ireo" dia manondro ny tafik'izany firenena izany.
Ny sabatra dia maneho ireo karazana fitaovam-piadina izay nentin'ny olona rehefa miady. DH: "Hampiasa ny fitaovam-piadian'izy ireo hanafiana ireo tanàna voaaronareo."
"izay nieritreretinareo fa mafy ampy hiarro anareo tsara"
Ny andian-teny "ireo andro ireo" dia manondro ny fotoana hiavian'ilay tanàna lavitra hanafika ny vahoakan'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
"tsy hamotika"
Nandefa miaramila vahiny hanafika an'Israely Yaveh.
Misy dikan-teny maro no mandika hoe: "nanompoanareo andriamanitra vahiny " saingy eto dia midera azy ireo ny dikany.
Miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
"Lazao ... izany"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 2:4.
"ambarao any Joda izany"
DH: "vahoaka izay tsy manana fahazavan-tsaina."
DH: "manana maso ianareo saingy tsy hatakatra ny zavatra ataoko"
DH: "manana sofina ianareo saingy tsy hatakatra ny zavatra ho lazaiko anareo"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Nametraka io fanontaniana io Yavehmba hanamafisana fa ireo olona dia tena adala satria tsy natahotra an'i Yaveh izy ireo. DH: "adalana izany tsy fahataooranareo Ahy izany ... tavako!"
DH: "na mamgovi-pahatahorana nohon'ny Amiko."
"nametraka fasika ho faritrin'ny ranomasina Aho"
"fetra maharitra mandrakizay izay tsy azo dinganina"
Manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
DH: "dia mafy loha sy mpikomy."
"nitodika izy ireo ary niala alavitra." DH: "Tsy nankato na nihaino izy ireo."
DH: "tsy nisaina ny tenan'izy ireo izy ireo."
"ary hanome toky ho antsika fa ny herinandron'ny vokatra dia hitranga araka ny tokony ho izy"
Ny teny "... areo" dia manondro ireo taranak'i Jakoba sy ny vahoakan'i Joda. "ireo otanareo"
Ireo orana sy vokatra
Manohy miteny Yaveh.
DH: "Fa efa nahita olon-dratsy teo amn'ny vahoakako Aho."
"lasa natanjaka sy nanan-karena"
"sy matavy" na "ary malama." Ireo olona dia matavy satria ny tavin'izy ireo dia manafina ny taolan'izy ireo.
"Nanao ireo zavatra izay tena ratsy izy ireo"
"nanao zavatra ratsy kokoa mihoatran'izay ratsy izy ireo."
Io dia miresaka ny raharaham-pitsaranan'ireo kamboty izay nangataka ny hampiarana ny rariny. DH: "izy ireo dia tsy nanohana ny raharaham-pitsarana nentin'ireo kamboty."
Jereo ny nandikanao ny "Tsy tokony hanasazy ... ny firenena tahaka ity ve Aho?" tao amin'ny 5:7.
Manohy miteny Yaveh.
"Zavatra mahatsiravina sy maharikoriko no nitranga"
DH: "tao amin'ny tanin'Israely."
"maminany lainga"
"araka ny fitondran'ireo mpaminany"
"fa inona no anataonao any amin'ny fiafaran'izao?" Nampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanamafisana fa hanenina amin'ny faharatsim-panahiny ireo vahoaka rehefa hiafara amin'ny famaizana izany. DH: "fa ho ao anaty fahasahiranana ianao ary hanenina izao fitondran-tena ratsy fanahy izao ianao rehefa miafara amin'ny sazy izao?"
Ny andian-teny "farany" dia manondro ny fanasaziana izay vokatr'ireo zavatra ratsy izay nataon'ny vahoaka.
1 Mahità filaminana, ry vahoakan'i Benjamina amin'ny fandaozana an'i Jerosalema. Tsofy ao Tekoa ny trompetra. Mampiakàra famantarana manerana an'i Beti-hakerema, satria misy faharatsiana miseho avy any avaratra; misy fanorotoroana lehibe ho avy. 2 Ny zanaka vavin'i Ziona, ilay vehivavy tsara sy malefaka, dia ho potika. 3 Ireo mpiandry ondry sy ny ondry aman'osin'izy ireo dia handeha ho any amin'izy ireo; hametraka lay ny manodidina azy rehetra izy ireo; ny lehilahy tsirairay avy dia hiambina amin'ny tanany manokana. 4 Manolora tena amin'ireo andriamanitra ho amin'ny ady. Mitsangàna, handeha isika hanafika amin'ny mitatao vovonana. Ratsy loatra raha toa ka tolaka ny andro, raha toa ka milatsaka ny aloky ny hariva. 5 Fa aoka isika hanafika amin'ny alina ary handrava ireo fiarovany mafy." 6 Fa Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao: Tapaho ireo hazony, ary manamboara tovon-tany hanoherana an'i Jerosalema. Io no tanàna tsara tafihana, satria feno fampahoriana ao. 7 Toy ny loharano mampiboiboika rano, dia manohy mamokatra faharatsiana io tanàna io. Herisetra sy korontana no re ao aminy; aretina sy ratra mandrakariva no eo anatrehan'ny tavako. 8 Hekeo ny fitsipika, ry Jerosalema, raha tsy izany dia hivadika aminareo Aho ary handrava anareo, ho tany tsy misy mponina.'" 9 Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao: "Azo antoka fa hitsipona ireo izay tavela ao Israely toy ny tanim-boaloboka izy ireo. Ahinjiro indray ny tananao mba hioty ireo voaloboka eny amin'ny hazom-boaloboka. 10 Amin'iza no tokony hanambarako sy hampitandremako vao hihaino izy ireo? Indro! tsy voafora ny sofin'izy ireo; tsy afaka ny hifantoka izy ireo! Indro! Efa tonga tamin'izy ireo ny tenin'i Yaveh mba hanitsiana azy ireo, saingy tsy ilain'izy ireo izany." 11 Fa izaho dia feno ny hatezeran'i Yaveh. Reraky ny mihazona izany aho. Hoy Izy tamiko hoe: "Arotsaho amin'ireo ankizy eny an-dalana sy ireo antokon-jatovo izany. Fa ny lehilahy rehetra dia ho esorina amin'ny vadiny; ary ny zokiolona rehetra efa nahazo taona. 12 Ny tranon'izy ireo dia ho tolorana an'ireo hafa, miaraka amin'ireo tany sy ny vadin'izy ireo. Fa ho tafiako amin'ny tanako ny mponina ao amin'ilay tany—izany no fanambaran'i Yaveh. 13 Nanambara Yaveh fa manonboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindr, izy rehetra dia fatra-pila harena amin'ny tsy rariny. Manomboka amin'ny mpaminany hatramin'ny mpisorona, izy rehetra ireo dia samy mpamitaka. 14 Nanasitrana ny ratran'ireo vahoakako mora fotsiny izy ireo, niteny hoe: "Fiadanana! Fiadanana!' tamin'ny tsy nisy fiadanana tao. 15 Afa-baraka ve izy ireo rehefa nanao fametavetana? Tsy afa-baraka izy ireo; tsy mahay mivara-mena izy ireo! Koa hianjera miaraka amin'ireo lavo izy ireo; ho entina midina izy ireo rehefa nosaziana, hoy Yaveh. 16 Izao no lazain'i Yaveh: "Mijoroa eo amin'ny sampanan-dalana ary jereo; anontanio ny lalana taloha. 'Aiza izany lalana tsara izany?' Avy eo dia mandehana amin'izany ary mitadiava toerana fialan-tsasatra ho anareo. Fa hoy ny vahoaka hoe: 'Tsy handeha izahay.' 17 Nanendry mpiambina ho anareo Aho mba hihaino ny trompetra. Fa hoy izy ireo hoe: 'Tsy hihaino izahay.' 18 Noho izany, ry firenena, henoy! Indro, hijoro vavolombelona amin'izay hitranga amin'izy ireo ianareo. 19 Henoy, ry tany! Indro, hitondra loza eo amin'ity vahoaka ity Aho—ny vokatry ny eritreritr'izy ireo. Tsy niraharaha ny teniko na ny didiko izy ireo, fa nandà izany kosa." 20 Midika inona ho Ahy ny fiakaran'ny ditin-kazo manitra avy any Seba? Na ireo fofona malefaka avy any amin'ny tany lavitra? Tsy azoko ekena ny fanatitra doranareo, na ireo soronareo. 21 Ka nilaza izao Yaveh hoe: 'Indro, hametraka sakana amin'ity vahoaka ity Aho. Ho tafintohina eo amin'izany izy ireo—miaraka ao ireo ray sy ireo zanaka lahy. Ho ringana ihany koa ireo mponina sy ireo mpiara-belona.' 22 Izao no lazain'i Yaveh hoe: 'Indro, hisy vahoaka ho tonga avy any amin'ny tany avaratra. Fa misy firenena lehibe efa namporisihina ho tonga avy any amin'ny tany lavitra. 23 Hitondra tsipika sy lefona izy ireo. Feno habibiana izy ireo ary tsy manana famindram-po. Toy ny fieron'ny ranomasina ny feon'izy ireo, ary mitaingina soavaly mitan-dahatra toy ny lehilahy mpiady izy ireo, ry zanaka vavin'i Ziona."" 24 Efa nandre ny vaovao momba azy ireo izahay. Ny tananay dia lasa malemin'ny fahoriana. Voasambotry ny fanaitainana toy ny vehivavy mitondra vohoka izahay. 25 Aza mivoaka eny amin'ireo saha, ary aza mandeha eny amin'ny ireo lalana, satria ny sabatr'ireo fahavalo sy ny horohoro dia eny rehetra eny. 26 Ry zanaka vavin'ny oloko, misikina lamba fisaonana ary mihosena eo amin'ny vovoky ny fandevenana ho an'ny zaza tokana. Ataovy mangidy ho an'ny tenanareo ny fandevenana, satria ho avy tampoka eo amintsika ny mpandrava. 27 "Ry Jeremia, efa nanao anao ho mpizaha ny vahoakako toy ny mpitsapa vy Aho, noho izany dia hanadihady ary hizaha ny fomban'izy ireo ianao. 28 Izy rehetra ireo no tena mafy loha indrindra amin'ny vahoaka, izay miroso amin'ny fanendrikendrehana an'ireo hafa. Izy rehetra ireo dia varahina sy vy, mpandrabiraby. 29 Ireo fitsofana dia main'ny afo izay mandoro azy ireo; ny firaka dia levona anaty afo. Nitohy ny fanefena teo amin'izy ireo, fa tsy misy dikany izany, satria tsy mbola niala ny ratsy. 30 Ho antsoina hoe volafotsy tsy lany ireo, satria efa nolavin'i Yaveh."
Miresaka Yaveh.
"mangalà fialofana"
DH: "miomàna ho tafihana ry vahoaka mipetraka ao Tekoa"
Anaran-tanàna manodidina ny 18 kilometatra any atsimon'i Jerosalema. Ny dikan'ilay anarana dia "tandroka fitsofana"
DH: "mihomàna ho atao fahirano ny olona miaina ao Beti-hakerema"
Anaran-tanàna manodidina ny 10 kilometatra any atsimon'i Jerosalema. Ny dikan'ilay anarana dia "fitoeran'ny tanim-boaloboka."
DH: "famantarana hanairana ireo olona fa ho avy ny loza."
DH: "satria mahita ny fiavian'ny loza ny olona."
"famotehana lehibe"
Yaveh dia mamaritra an'i Jerosalema toy ny vehivavy. DH: "zanaka vavin'i Ziona izay tahaka ny vehivavy tsara tarehy sy malefaka."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 4:30.
Matetika ireo mpanjaka dia resahina toy ny hoe mpiandry ondry. DH: "Ireo mpanjaka sy ireo miaramilany dia hanodidina an'i Jerosalema."
"manodidina ny akaiky azy rehetra"
DH: "ny mpanjaka tsirairay avy dia hanafika miaraka amin'ny amin'ny tanany manokana."
niresaka tamin'ny miaramila ambany fifehezana ny mpanjaka iray.
Ny tafika mpanafiika dia niezaka manome toky fa hanampy azy izy ireo ireo andriamanitr'izy ireo mandritra ny ady amin'ny fanaovana firavoravoana sy fanaovana sorona.
DH: "amin'ny mitatao vovonana na dia tena mahamay aza izany."
"mifarana ny tontolo andro"
DH: "mandritra ny alina na dia maizina aza izany."
"trano misy rihana avo mafin'i Jerosalema"
"Tapaho ireo hazony." Miresaka ny tafika izay hanafika an'i Jerosalema Yaveh.
"dongon-tany." Ireo dia dongon-tany izay hahafahan'ny fahavalo manafika ireo mandan'i Jerosalema.
"satria ny vahoakany dia mifampahory foana"
Ny loharano dia tokony hamokatra rano foana. Toy ny loharano misy rano foana, i Jerosalema dia misy ratsy fanahy foana na dia nofaizin'i Yaveh aza izany.
DH: "mandre herisetra sy fandrobana ao aminy aho."
DH: "mahita aretina sy fijaliana foana aho."
Miresaka amin'i Jerosalema toy ny olona Yaveh. DH: "Mandraisa lesona tamin'ny fanasaziana ianao ry mponin'i Jerosalema."
"tany izay tsy misy mponina miaina ao anatiny"
Yaveh dia nampitaha ireo olona izay tavela taorian'ny famotehan'ny fahavalo an'Israely tamin'ny voaloboka tavela tany an-tanim-boaloboka izay efa niotian'ny olona. DH: "Azo antoka fa hiverina hanafika ny olona izay tavela ao Israely izy ireo taorian'ny namotehan'izy ireo izany."
Ny teny "izy ireo" dia manondro ireo fahavalo izay nirahin'i Yaveh hamotika an'Israely.
Miresaka amin'ireo fahavalo izay nanafika an'Israely Yaveh.
DH: "mandehana ary tafio ny vahoakan'Israely izay mbola tavela."
Miteny i Jeremia.
Nampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanamafisana fa tsy nisy iray tamin'ireo vahoakan'Israely te hihaino Azy na dia taorian'ny naha tafavoaka velona azy ireo taorian'ny fanafihan'ireo fahavalony azy ireo. DH: "Tsy misy iray tavela mba hiresaka Amiko sy hampitandrina izay mety hihaino."
Nampiasa ny teny "Indro" Yaveh teto hanamafisana izay ho lazainy.
DH: "nandà ny hihaino izy ireo" na "nandà ny hankato izy ieo"
Ny teny "izy ireo" eto dia manondro ny vahoakan'Israely.
Miteny i Jeremia.
DH: "miara-tezitra tanteraka amin'i Yaveh aho."
DH: "Reraky ny tsy mamoaka ny hatezeran'i Yaveh aho"
"ireo ankizy eny an-dalana" dia manondro ny ankizy rehetra tao an-tanàna. DH: "hamoaka ny hatezerako amin'ny ankizy ao an-tanàna"
DH: "Satria ireo fahavalo dia hisambotra eny na ny lehilahy miaraka amin'ny vadiny aza."
Ny "nahazo taona" dia fomba fiteny izay midika fa "tena antitra." Izany dia fanamafisana ny andian-teny "olon-dehibe." DH: "ny olona efa tena antitra."
"ho lasa fananan'ny olon-kafa"
DH:"ireo saha sy ireo vehivavin'izy ireo diaho lasa fananan'olon-kafa."
DH: "Fa ampiasa ny heriko Aho hanafihana ny vahoaka miaina ao amin'ilay tany."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
DH: "ny vahoakan'Israely rehetra izay tavela, manomboka amin'ny malemy indrindra hatramin'ny matanjaka indrindra."
"nanao ratsy tamin'ny olon-kafa mba ahazoana vola"
"ny olona lehibe izay nananan'ny vahoakako"
Ireo mpaminany sy ireo mpisorona dia nandray ny otan'ireo vahoakan'Israely ho toy ny ratra kely. DH: "na dia tsy tena matotra aza izany."
"Milamina ny rehetra! Milamina ny rehetra!' nefa tsy milamina"
"nanao fahotana lehibe izy ireo, ary tsy afa-baraka izy ireo"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ilay faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany. "Tsy menatra tamin'izay vitany izy ireo"
DH: "ho vonoina."
Miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Yaveh dia naniry ny angatahan'ny vahoakan'Israely izay fomba tsara hiainan'izy ireo ny fiainan'izy ireo ary mba hiaina amin'izany.
"anontanio ny fanaon'ireo razambe"
Yaveh dia namaritra ireo mpaminany ho toy ny mpiambina izay nirahina mba ampitandrina ireo olona amin'ny loza.
Ny teny "ho anareo" eto dia manondro ny vahoakan'Israely.
"hihaino ny feon'ny trompetra." Yaveh dia nandidy ny vahoakan'Israely mba hihaino ilay fampitandremana izay nomeny tamin'ny alalan'ireo mpaminany.
Ireo fehezanteny telo ireo dia milaza amin'ireo olona hafa firenena mba hijoro vavolombelona amin'izay ataon'i Yaveh amin'ireo mponina mpikomy tao Joda. "Ianareo firenena hafa dia ahita ny ho ataoko amin'ny vahoakako"
"ho faiziko mafy tsy ho ela ireo vahoaka ireo"
"ianareo izay vavolombelona"
Ny teny "izy ireo" dia manondro ireo vahoakan'Israely.
DH: "Henoy, ry vahoaka izay miaina eo ambonin'ny tany."
DH: "ilay loza dia vokatrin'ny eritreritr'izy ireo"
"tsy nankato izay nasaiko nataony izy ireo."
DH: "izao dia tsy mila ny ditin-kazo manitra avy any Seba na ny hanitra mameroveron'ny diloilo avy an-tany lavitra."
Io dia hanitra malefaka nampiasaina hiderana an'Andriamanitra tao an-tempoly.
"Tsy ankasitrahiko" na "Tsy nahafaly Ahy"
Ny teny "indro" eto dia mitondra fanamafisana izay manaraka eto. DH: "Eny tokoa"
"Hametraka vato sakana eo anolohan'ireo olona ireo Aho." Nanoritsoritra ireo hasarotan'ny homeny ireo oloaveh dia
Fahasarotana
"eo ambonin'izy ireo"
DH: "hiara tafintohina ireo ray sy ireo zanaka lahy."
"ireo mpiara-belona sy ireo namany"
Ny teny "izy ireo" dia manondro ireo olona anaty tafim-pirenena izay ho avy any avaratra.
DH: "Ny feo navokan'izy ireo dia toy ny fieron'ny ranomasina"
"nalamina ny tafika mba ho vonona hiatrika ny ady ireo lehilahy"
"hanohitra anao, ry zanaka vavin'i Ziona" na "mba ahafahana manafika anareo, ry zanaka vavin'i Ziona." Jereo ny fomba nandikaonao ny "zanaka vavin'i Ziona" tao amin'ny 4:30.
Ny teny "izahay" dia manondro an'i Jeremia miresaka amin'ny vahoakan'i Joda.
"malemy satria mitaintaina izahay"
"toy ny vehivavy hiteraka"
Io dia mety Yaveh miresaka amin'ny zanaka vavin'i Ziona izay misolo-tena ny vahoakan'i Jerosalema manontolo.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 4:11.
"manaova malahelo"
"Satria ho avy tampoka hanafika antsika ny tafikin'ny fahavalo." Niteny ireo teny ireo tamin'ny vahoakan'i Jerosalema i Jeremia.
Miteny Yaveh.
"ho olona izay hitsapa ny vahoakako Aho." Yaveh dia nampitahy an'i Jeremia amin'ny olona izay mitsapa volafotsy mba ahitana raha mifangaro izany na tsia. Ny olona dia tahaka ny volafotsy izay tsapain'i Jeremia ary ny otan'izy ireo no maloto ao anatin'ilay volafotsy.
"hamantatra"
DH: "ny zavatra izay ataon'izy ireo."
"ary manendrikendrika ny olona hafa foana"
Tsy misy na iray amin'ireo karazam-by roa ireo ny volafotsy izay ilain'i Yaveh. Ny volafotsy dia mampiseho ny fahamarinana izay irian'i Yaveh. DH:" maloto sady ratsy fanahy."
Ny afo izay hanefena ny volafotsy dia tena mahamay ka mandoro ireo fitsofana. (Ny fitsofana dia fitoavana nampiasaina hitsofana rivotra eo amin'ny afo.) Ny mpanefy dia manampy firaka mba hanesorana ireo loto, saingy tsy nanana firaka intsony ilay mpanefy. Ireo fehezanteny ireo dia manamafy fa ilay mpanefy dia tena niasa mafy mba hanefena ilay volafotsy.
"nanohy nanefy ny mpanefy"
DH: "satria tsy niala ilay ampahany ratsy."
DH: "ho antsoin'ny olona hoe 'volafotsy tsy misy vidiny' ireo.
1 Izao ny teny izay tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Yaveh: 2 "Mijoroa eo am-bavahadin'ny tranon'i Yaveh ary ambarao ity teny ity! Lazao hoe: "Henoy ny tenin'i Yaveh, ianareo ry Joda rehetra, ianareo izay miditra ao amin'ireo vavahady ireo mba hanompo an'i Yaveh. 3 Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia nilaza hoe: amboary ny lalanareo ary manaova ny tsara, dia hanohy ny hiaina ao amin'ity toerana ity Aho. 4 Aza mitoky amin'ireo teny mamitaka manao hoe: "Tempolin'i Yaveh! Tempolin'i Yaveh! Tempolin'i Yaveh!" 5 Fa raha manamboatra ny lalanareo tokoa ianareo sady manao ny tsara; raha tena manatanteraka feno ny rariny eo amin'ny olona sy ny mpiara-belona aminy tokoa ianareo— 6 raha tsy manararaotra ilay mijanona eo amin'ilay tany, ireo kamboty, na ireo mpitondratena ianareo ary aza mandatsa-dràn'olona tsy manan-tsiny eo amin'izany toerana izany, ary aza manaraka ireo andriamanin-kafa ampahory ny tenanareo ihany— 7 dia hamela anareo hitoetra eo amin'ity toerana ity Aho, any amin'ny tany izay nomeko an'ireo razanareo tamin'ny andro fahiny ary ho mandrakizay. 8 Indro! Ianareo dia matoky ireo teny fitaka izay tsy manampy anareo. 9 Moa ve ianareo mangalatra, mamono, sy mijanganjanga? Mianiana amin'ny fitaka ve ianareo ary manolotra ditin-kazo manitra ho an'i Bala ary manaraka ireo andriamanin-kafa izay tsy mbola fantatrareo? 10 Dia tonga hijoro eo anatrehako ato amin'ity trano ity izay nantsoina amin'ny anarako ve ianareo ary hiteny hoe: "Avotra izahay," mba ahafahanareo manao ireo fahavetavetana rehetra ireo? 11 Moa ve ity trano ity, izay mitondra ny anarako, zohin-jiolahy eo imasonareo? Kanefa indro, efa hitako izany— izany no fanambaran'i Yaveh.' 12 Koa mandehana any amin'ny fitoerako izay any Silo, izay namelako ny anarako hitoetra tany am-piandohana, ary jereo ny nanaovako azy nohon'ny faharatsian'ny vahoakan'Israely. 13 Koa ankehitriny, nohon'ny fanaovanareo ireo fanaonareo rehetra ireo— izao no fanambaran'i Yaveh—nilaza taminareo ombieny ombieny Aho, nefa tsy nihaino ianareo. Nampiantso anareo Aho, nefa tsy namaly ianareo. 14 Noho izany, izay nataoko tamin'i Silo, dia ho ataoko amin'ity trano izay nantsoina amin'ny anarako ity, ilay trano izay nitokianareo, ity toerana izay nomeko anareo sy ny razanareo ity. 15 Fa handroaka anareo tsy ho eto anatrehako Aho tahaka ny efa nandroahako ireo rahalahinareo rehetra, ireo taranak'i Efraima rehetra.' 16 Raha ny aminao, ry Jeremia, aza mivavaka ho an'ity vahoaka ity, ary aza manandratra ny fidradradradrana fitomaniana na manonona vavaka amin'ny anaran'izy ireo, aza mangataka amiko, fa tsy hihaino anao Aho. 17 Moa ve tsy hitanao ny ataon'izy ireo ao amin'ireo tanànan'i Joda sy eny amin'ireo lalan'i Jerosalema? 18 Manangona hazo ireo ankizy ary ireo ray mandrehatra afo! Ireo vehivavy mitoto koba hanaovana mofo mamy ho an'ny mpanjaka vavin'ny lanitra sy mandraraka fanatitra sotroina ho an'ireo andriamanin-kafa mba hiantsian'izy ireo Ahy. 19 Tena mihantsy Ahy tokoa ve izy ireo? —izao ny fanambaran'i Yaveh—moa ve tsy ny tenan'izy ireo ihany no hihantsian'izy ireo, koa ao amin'izy ireo ihany izany fahamenarana izany? 20 Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: 'Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako dia ho avy amin'ity toerana ity, amin'ny olona sy ny bibidia, amin'ny hazo eny amin'ireo saha sy ny voa eo amin'ny tany. Hirehitra izany ary tsy ho faty mihitsy.' 21 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely: 'Hatovano amin'ireo soronareo sy ny hena avy aminy ireo fanatitra doranareo. 22 Fa rehefa nitondra ny razanareo hiala avy tao amin'ny tany Egypta Aho, dia tsy nitaky na inona na inona tamin'izy ireo. Tsy nanome didy azy ireo momba ny raharahan'ny fanatitra dorana sy ny sorona Aho. 23 Izao didy izao ihany no nomeko azy ireo: "Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho ary ianareo ho oloko. Koa mandehana amin'ny lalana rehetra izay nandidiako anareo, mba hahitanareo soa." 24 Kanefa tsy nihaino izy ireo ary tsy nitandrina. Niaina tamin'ny fikasan-dratsin'ny fon'izy ireo ihany izy ireo, ka nihemotra, fa tsy nandroso. 25 Hatramin'ilay andro nivoahan'ny razanareo avy tao amin'ny tany Egytpa ka hatramin'izao andro izao, dia efa nandefa ny tsirairay tamin'ireo mpanompoko, ireo mpaminaniko, tany aminareo Aho. Nikiry tamin'ny fandefasana azy ireo Aho. 26 Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo. Tsy niraharaha izy ireo. Fa kosa, nanamafy hatoka izy ireo. Ratsy fanahy mihoatra noho ny razambeny izy ireo.' 27 Koa ambarao amin'izy ireo ireo teny rehetra ire, fa tsy hihiaino anao izy ireo. Ambarao amin'izy ireo izany zavatra rehetra izany, fa tsy hamaly anao izy ireo. 28 Lazao izy ireo fa ity no firenena tsy mihaino ny feon'i Yaveh Andriamaniny ary tsy mandray fananarana. Rava ny fahamarinana ary niala tamin'ny vavan'izy ireo. 29 Tapaho ny volonao dia arato ny tenanao, ary ario ny volonao. Mihirà hira fisaonana eny ankalamanjana. Fa Yaveh dia efa nandà sy nahafoy ity taranaka ity tamin'ny fahatezerany. 30 Fa nanao ratsy teo imasoko ny zanak'i Joda—izany no fanamabaran'i Yaveh—nandefa ny zava-maharikorikon'izy ireo tao amin'ny trano izay antsoina amin'ny anarako izy ireo, mba handoto izany. 31 Avy eo dia nanorina ny toerana avon'ny Tofeta izay any amin'ny lohasahan'i Ben-Hinema izy ireo. Nanao izany izy ireo handorana ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'izy ireo amin'ny afo—zavatra izay tsy nandidiko, na niditra tao amin'ny saiko akory. 32 Koa indro, ho avy ireo andro—izany no fanambaran'i Yaveh—rehefa tsy ho antsoina ho Tofeta na lohasahan'i Ben-Hinema intsony izany. Ho lohasahan'ny famonoana izany; handevina ny faty ao Tofeta izy ireo mandra-paha tsy misy toerana intsony. 33 Ny fatin'ity vahoaka ity dia ho sakafon'ny voron'ny lanitra sy ho an'ireo bibin'ny tany, ary tsy misy na iza na iza hampatahotra azy ireo intsony. 34 Ho faranako ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema, ny feon'ny fifaliana sy ny feo ny firavoravoana, ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina, fa ho lao ny tany."
"izao no hafatra izay nalefan'i Yaveh tamin'i Jeremia"
ilay hafatra izay homen'i Yaveh an'i Jeremia
Yaveh dia nanome ireo baiko ireo tamin'i Jeremia.
"mba hanompoana an'i Yaveh"
Izao no hafatra izay nirian'i Yaveh omena an'i Jeremia mba omena an'ireo vahoakan'i Joda.
"mianà fianana tsara ary manaova asa soa"
Io dia manondro ny tanànan'Israely izay manana tempoly teo an'ivony.
"Aza avela hatoky teny fitaka ny tenanao amin'ny filazana hoe"
Namerina io fehezanteny io in-telo ny olona mba ho fanamafisana. Izany dia midika fa hatramin'ny naha an'i Yaveh ny tempoly dia afaka ny miaro izany Izy ary ny vahoakan'i Joda dia hilamina. DH: "Io no tempolin'i Yaveh koa azo antoka fa tsy misy olona afaka hanimba izany ary hilamina isika."
Ireo ny tenin'i Yaveh tamin'ireo vahoakan'i Joda.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 7:3.
"raha mitondra ny olona araka ny rariny ianareo"
"manaja tsara ireo vahiny izay mijanona"
ankizy izay maty ny rainy
DH: "aza mamono olona tsy manan-tsiny."
DH: "aza manompo"
"mba tsy hisy zava-dratsy hitranga aminao"
Io dia manondro ny tanin'Israely izay misy tempoly ho ivony.
"hamela anao hiaina"
"ary mandrakizay amin'ny fotoana ho avy"
Manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Joda tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany Yaveh.
Ny teny "Indro" dia mampiseho fa tena manan-danja be ny fanontaniana manaraka.
"Ianareo dia mihevitra fa hamonjy an'i Jerosalema Aho satria hiaro ny tempoliko. Saingy lainga izany!"
"Ianareo dia mangalatra, mamono, ary mijangajanga"
"Ianareo dia mandainga na any anaty fianiananareo aza ary manompo an'i Bala sy ireo andriamanin-kafa vaovao."
"Dia nankato amin'ny tranoko ianareo ary niteny hoe "hamonjy anay Yaveh" ka nanohy nanao fahotana lehibe ianareo."
"Ity rano ity dia ... zohin-jiolahy eo imasonareo!" na "Ianareo dia manao izay fieveranareo ny tranoko ... ho toerana izay hiafenan'ny Jiolahy!"
"mpandroba" na "olona izay nangalatra zavatr'olon-kafa"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:8.
Manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Joda tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany Yaveh.
DH: "Koa tadidio" na "Koa saino ny momban'ny"
"satria ianareo nanao ireo zavatra rehetra ireo"
"foana foana"
Ireo fehezanteny ireo dia mitovy ny heviny. DH: "aza mivavaka Amiko mba angataka Ahy Hitany ireo olona ireo"
"aza mihiaka alahelo"
"ho an'ny tombotsoa an'izy reo"
"hampatezitra Ahy"
"tena mampikorontana Ahy? ... mampikorontana azy ireo?
DH: "mampihorohoro ny tenany amin'ny fitondran-tena maha menatrany ihany izy ireo."
Io teny io dia misarika ny saina amin'izay hitranga manaraka. DH: "Henoy tsara satria tena manan-danja be ity"
DH: "Hanasazy ny olona eto amin'ity toerana ity Aho"
Ny teny "izany" dia manondro ny "fahatezerana sy fahaviniran'i Yaveh".
"tsy hijanona tsy hirehitra intsony" na "tsy hijanona ny ho tezitra intsony"
Na dia nitaky sorona aza Yaveh, dia tsy nila ny soron'izy ireo intsony Izy satria nijanona mafy loha ireo olona taorian'ny nahatongavan'izy ireo tao amin'ny tempoly.
Nanohy nampatsiahy ny vahoakan'i Joda ny fomba nikomian'ny vahoakan'Israely Yaveh.
"araka ny drafitr'izy ireo ihany satria mafy loha sy ratsy fanahy izy ireo"
"ary nanodina ny lamosin'izy ireo tamiko izy ireo fa tsy ny tavany." DH: "ary nandà ny hifantoka tamiko izy ireo, toy izay hankato Ahy."
"ny mpanompoko rehetra"
"tsy sasatra ny naniraka azy ireo"
Ny teny "ianareo" dia manondro ny vahoakan'i Joda sy ny razamben'izy ireo rehetra.
Ny teny "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely rehetra hatramin'ny nivoahan'ireo razamben'izy ireo tao Egypta.
DH: "mafy loha nandà tsy hihaino."
"ny taranaka tsirairay avy rehetra dia lasa ratsy fanahy"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ilay faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany. DH: "Lazao amin'izy ireo ny hafatro fa tsy hihaino ary tsy hanova ny fomba ratsiny izy ireo."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 3:23.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ilay faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany. DH: "tsy milaza afa-tsy lainga ireo olona"
"ireo taranak'i Joda"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy fa Yaveh dia tsy hanao na inona na inona amin'ireo olona ireo intsony.
"namela irery" na "tsy niraharaha"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Manohy mitanisa ireo zava-dratsy izay vitan'ny vahoakan'i Joda Yaveh.
Izany no anaran'ilay toerana izay nanaovan'ny vahoakan'Israely sorona tamin'ny andriamanitra sandoka ny zanak'izy ireo tamin'ny fandorana azy ireo tamin'ny afo.
Izany no anaran'ilay lohasaha any atsimon'ny tanànan'i Jerosalema, izay nanaovan'izy ireo sorona tamin'ireo andriamanitra sandoka.
DH: "tamin'ny afo ho atao sorona."
DH: "ary tsy mbola nieritreritra ny amin'ny fandidiana izany Aho"
Ny teny "indro" dia manamafy izay hitranga manaraka.
DH: "indray andro any aoriana any"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
DH: "tsy hiantso izany hoe ... intsony ny olona"
"handevenan'ny vahoakan'i Joda ny fatin'ireo olona"
"tsy misy malalaka tavela"
Manohy miteny Yaveh.
"ny nofo mangatsiaka"
Jereo ny fomba nandikanao ny "ireo voron'ny lanitra" tao 4:23.
"ireo bibidian'ilay tany"
"Ho esoriko"
"ny feon'ny olona ravoravo sy faly" DH: "ny olona izay faly tany"
DH: "olona hanambady"
1 "Amin'izany fotoana izany—izao no fanambaran'Yaveh—ho entin'izy ireo hivoaka ireo fasana ny taolan'ireo mpanjakan'i Joda sy ireo manam-pahefany, ireo taolan'ireo mpisorona sy ireo mpaminany, ary ireo taolan'ireo mponin'i Jerosalema. 2 Ary ho aparitak'izy ireo eo amin'ny fahazavan'ny masoandro sy ny volana ary ireo kintana rehetra eny amin'ny lanitra ireo; ireo zavatra eny amin'ny lanitra izay narahin'izy ireo sy notompoiny, izay notompoiny sy nofotopotorin'izy ireo, ary niankohofan'izy ireo. Tsy hangonina ireo taolana ary tsy halevina intsony. Ho tahaka ny zezika eny amin'ny velaran-tany izy ireo. 3 Eny amin'ny toerana rehetra sisa tavela izay nitondrako azy ireo, dia hifidy ny fahafatesana izy ireo fa tsy ny miaina, ny rehetra mbola velona amin'ity firenena ratsy ity—izany no fanambaran'Yaveh tompon'ny maro. 4 Koa lazao izy ireo hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: Nisy nianjera ve ka tsy niarina? Nisy olona very ve ka tsy nanandrana ny hiverina? 5 Fa nahoana ity vahoaka ity, ry Jerosalema, no nivily maharitra tamin'ny tsy fananam-pinoana? Mifikitra amin'ny fitaka izy ireo ary mandà ny hibebaka. 6 Nitandrina tsara Aho ary nihaino, fa tsy niteny marina izy ireo; tsy nisy niala tsiny tamin'ny haratsiany, tsy nisy na iray aza milaza hoe: "Inona no nataoko?" Nandeha tany amin'izay niriany avy Izy rehetra, tahaka ny soavaly lahy mihazakazaka amin'ny ady. 7 Na ny vano eny amin'ny lanitra aza mahalala ny fotoana mety; sy ireo domoina, sidintsidina, ary ny vanobe. Mandeha amin'ny fifindra-moniny izy ireo amin'ny fotoana mety, fa ny oloko dia tsy mahalala ny didin'i Yaveh. 8 Ahoana no hilazanareo hoe: "Hendry isika, fa ny lalàn'Yaveh dia momba antsika"? Eny tokoa, indro! Ny penina mpamitakin'ny mpanora-dalàna dia efa namorona fitaka. 9 Ny lehilahy hendry dia ho afa-baraka. Raiki-tahotra izy ireo ary voafandrika. Indro! Nandà ny tenin'i Yaveh izy ireo, koa atao inona ny fahendren'izy ireo? 10 Ka hanome ny vadin'izy ireo ho an'ny hafa Aho, ary ireo tanimbolin'izy ireo ho an'izay manana ireo ho fananana, satria manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, izy rehetra dia tia vola azo avy amin'ny tsy rariny. Hatramin'ny mpaminany ka hatramin'ny mpisorona, izy rehetra dia manao fitaka. 11 Nanasitrana ny ratran'ireo vahoakako mora fotsiny izy ireo, niteny hoe: "Fiadanana, fiadanana," tamin'ny tsy nisy fiadanana tao. Menatra ve izy ireo rehefa nanao ireo fahavetavetana? 12 Tsy menatra izy ireo; tsy fantatr'izy ireo izay hoe mivoara-mena! Ka hianjera eo amin'ireo lavo izy ireo; ho entina midina izy ireo rehefa voasazy, hoy Yaveh. 13 Hanala azy ireo tanteraka Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—tsy hisy voaloboka amin'ny hazom-boaloboka, na amin'ny hazon'aviavy aza dia tsy hisy aviavy. Ary halazo ny ravina, ary izay nomeko azy ireo dia ho levona. 14 Nahoana isika no mipetraka eto? Andeha hiaraka; handeha isika ho any amin'ireo tanàna voaaro mafy, ary hanjary hangina amin'ny fahafatesana any isika. Fa hampangina antsika i Yaveh Andriamanitsika. Hampisotro rano misy poizina antsika Izy, satria efa nanota Taminy isika. 15 Manantena fiadanana isika, nefa tsy hisy zavatra tsara. Manantena fotoam-panasitranana isika, nefa indro, hisy horohoro. 16 Re avy any Dana ny feonfiefon'ireo soavaly lahiny. Mihozongozona ny tany manontolo noho ny feon'ny fieron'ireo soavaly matanjaka. Fa ho avy izy ireo ary hamotika ny tany sy ny hareny, ny tanàna sy ireo izay mipetraka ao. 17 Fa indro, handefa bibilava aminareo Aho, dia vipera izay tsy ho azonareo tambatambazana. Hanaikitra anareo ireo—izany no fanambaran'i Yaveh.'" 18 Tsy manam-pahataperana ny alaheloko, ary marary ny foko. 19 Indro! Ny feo mihiakan'ny zanakavavin'ny vahoakako avy any an-tany lavitra! Tsy ao Ziona ve Yaveh? Na tsy ao ve ny mpanjakany? Nahoana izany izy ireo no manafintohina ahy amin'ireo endrik'asa voasokiny sy ireo sampy vahiny tsy misy dikany? 20 Efa nandalo ny fotoam-pijinjana, tapitra ny fahavaratra. Nefa tsy voavonjy isika. 21 Naratra aho nohon'ny ratran'ny zanaka vavin'ny vahoakako. Malahelo ny amin'ireo zavatra mahatsiravina izay nahazo azy aho; raiki-tahotra aho. 22 Tsy misy fanafody ve ao Gileada? Tsy misy mpanasitrana ve ao? Nahoana no tsy hitranga ny fanasitranana ny vahoakako?
Avy niteny ny vahoakan'i Joda izay hiranga amin'ilay tany i Jeremia.
Amin'ny fotoana izay hisehoan'ireo tranga tao amin'ny 7:31 7:33.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ny teny "izy ireo" dia manondro ireo olona izay hamotika an'i Jerosalema.
"ireo andrian-dahin'i Joda"
Ny teny "izy ireo" dia manondro ireo taolam-balon'ireo olon'i Joda.
"ireo zavatra eny amin'ny lanitra izay tiany sy tompon'izy ireo." Ny teny "izy ireo" eto dia manondro an'ireo vahoakan'i Joda.
"ary izay nangatahin'izy ireo"
DH: "Tsy misy hanangona ny taolam-balon'izy ireo ary andevona azy ireo."
Yaveh dia mampiseho ny hatonga azy ireo ho lasa tsy misy dikany.
"toy ny tay"
"manerana ny tany rehetra eny"
Ny teny "izy ireo" eto dia manondro ny vahoakan'i Joda.
"ireo izay mbola tavela amin'ity fianakaviana ratsy ity dia haniry ny ho faty fa tsy ho velona"
Miresaka amin'i Jeremia Yaveh.
"ny vahoakan'i Joda"
DH: "fantatrao fa rehefa misy olona mianjera dia mitsangana izy."
DH: "Rehefa misy olona very dia miezaka miverina eo lala-marina izy."
Nampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanamafisana fa ny fomba fitondran-tenan'ny vahoakan'i Joda dia tsy misy dikany. DH: "zava-poana raha nivily amin'ny tsy fananam-pinoana foana ity vahoakan'Israely ity."
Ny teny "Jerosalema" dia manondro an'ireo vahoakan'i Joda.
"nanohy nanompo an'ireo andriamanin-kafa" na "hifikitra amin'ny lainga"
Miresaka momban'ny vahoakan'i Joda Yaveh.
"tsy niteny ny marina izy ireo"
"noho ny faharatsiany"
DH: "nanao zava-doza Aho."
"Nanohy nihazakazaka ny vahoaka manontolo." Yaveh dia nampitaha ny fahazoton'izy ireo hanao ratsy amin'ny fihazakazahana. DH: "Ny olona rehetra dia nanohy ny fahazotoan'izy ireo hanao ny ratsy."
Ireo olona dia tena nazoto nanao ratsy toy ny soavaly lahy izay mihazakazaka mankany amin'ny ady satria izy dia mazoto hiditra amin'ilay ady.
"ireo vorona dia mahalala rehefa tokony handao ny firenena mangatsiaka ho any amin'ny firenena mafana izy ireo.
Ireo rehetra ireo dia karazam-borona izay manidina any amin'ny tany mafana mialohan'ny mapangatsiaka be lotra ny toerana hafa.
"miala any amin'ny firenena mafana ho any amin'ny firenena mafana"
Ireto ny tenin'i Yaveh momban'ny vahoaka an'i Joda.
"nahoana ianareo no milaza hoe hendry isika! ary koe hoe manana ny lalàn'i Yaveh isika"?" DH: "Ianareo dia tsy tokony hiteny fa hendry isika ary manana ny lalàn'i Yaveh."
Ny teny "... nareo" dia manondro ny vahoakan'i Joda.
Ny penina dia misolo-tena ny teny izay nosoratan'ireo mpanora-dalàna. DH: "Ireo zavatra diso izay nosoratan'ireo mpanora-dalàna dia nanome anareo hevitra diso momban'ny lalàn'i Yaveh."
"Ireo lehilahy izay nihevitra fa hendry dia hatsapa fahamenarana"
"Handresy azy ireo ny fahavalo ary haka izy ireo"
DH: "koa izany antsoin'izy ireo fa fahendrena izany dia tsy mitondra soa azy ireo."
"ny olona izay hifehy ny tanin'izy ireo"
Jereoo ny fomba nandikao izany 6: tao amin'ny
Ireto ny tenin'Yaveh mahakasika ny vahoakan'i Joda.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 6:13.
"ho maina ireo ravina"
Ny dikan'ilay Hebreo dia mbola manjavozavo. Ireo mety andikana azy dia 1) "nanome fampianarana ny oloko Aho, saingy tsy nankato ny fampianarana ny oloko" na 2) "noho izany, natolotro ho an'ireo fahavalony ireo olona ireo, ka afaka hanitsakitsaka azy ireo ny fahavalony."
Nanohy ny hafany tamin'ny filazana amintsika izay ho ambaran'ny vahoakan'i Joda amin'ny fotoanan'ny fanasaziana azy ireo Yaveh.
DH: "tsy tokony hijanona eto isika."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 4:4.
"ireo tanàna misy rindrina avo sy miaramila miaro izany"
DH: "ary ho faty any isika."
DH: "satria Yaveh Andriamanintsika no hamono antsika."
Ny "hampisotro rano misy poizina antsika Izy" dia manondro ny fitsaran'Andriamanitra.
"saingy tsarovy, fa hisy"
"fa tsy hisy zavatra tsara hitranga"
Nanohy ny hafany momban'ny sazy ahazo an'i Joda Yaveh.
DH: "ny olona ao Dana dia nandre ny feon'ny tafika fahavalo tonga hanafika an'i Joda."
DH: "nangovitry ny tahotra ny olona teo amin'ilay tany"
"rehefa nandre ny feon'ireo soavaly matanjakin'ny fahavalo
Feo izay havoakan'ny soavaly
Ny teny "izy ireo" dia manondro ireo tafika manafika.
"ary handrava ny tany."
Ireo bibilava dia manondro ireo tafika fahavalo. DH: "handefa ireo miaramila fahavalo hiady aminareo Aho."
DH: "vipera izay tsy azonareo roasina amin'ny ody."
karazana bibilava izay mamoka poizina sy manana vangy lava
DH: "hanafika anareo ireo" na "hamotika anareo ireo."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Niresaka momban'ny vahoakan'i Joda i Jeremia sy Yaveh.
Io andalana sarotra io ao amin'ny Hebreo dia nadika tamin'ny fomba maro isan-karazany tamin'ny dikan-teny moderina
Ny teny "... ko" dia manondro an'i Jeremia. DH: "tena malahelo aho."
Ny teny "... ko" dia manondro an'i Jeremia. DH: "mahatsiaro marary ny any anatiko lalina."
Miresaka momban'ny vahoakan'i Joda i Jeremia. Ireo mety ho dikany 1) "Ny vahoakan'i Joda dia niantso avy any amin'ny tany lavitra" na 2) "Ny vahoakan'i Joda dia niantsoantso nanerana ny tanin'Israely rehetra."
Noraisina toy ny zanaka vavy Israely.
Nontondroina hoe Ziona i Jerosalema.
Milaza izay notenenin'ny vahoakan'i Joda i Jeremia. Ireo fanontaniana roa ireo dia mampiseho fa ireo vahoakan'i Joda dia manontany tena hoe nahoana Yaveh no tsy mananotra azy ireo. DH: "Nahoana Yaveh no tsy manavotra antsika raha izy no mpanjaka ao Jerosalema?"
Ny teny "Ahy" dia manondro an'i Yaveh. DH: "raha mila Ahy hamonjy azy ireo izy ireo , dia tsy tokony hanohina Ahy amin'ny fanompoan'ireo sampy ireo."
Nanohy niresaka momban'ny vahoakan'i Joda i Jeremia.
"tapitra ny fotoam-pijinjana"
Milaza izay notenenin'ny vahoakan'i Joda i Jeremia. Ny teny "isika" dia manondro ny vahoakan'i Joda. DH: "Saingy tsy nanavotra antsika Yaveh"
Ny teny "aho" dia manondron an'i Jeremia. DH: "Tena tezitra aho satria ny vahoakan'i Joda dia miaina zavatra mahatsiravina."
DH: "Misy fanafody ao Gileada! Misy mpanasitrana ao Gileada!"
DH: "Saingy manana ratra ara-panahy izay tsy sitran'ny fanafody sy dokotera ny oloko
1 Raha mba afaka mamokatra rano mantsy ny lohako, ary ny masoko ho loharanon-dranomaso! Fa maniry ny hitomany andro aman'alina aho ho an'ireo zanaka vavin'ny oloko izay novonoina. 2 Raha mba misy olona afaka manome ny toerana ho an'ireo mpivahiny ho ahy honenana any an'efitra mantsy, izay ahafahako mandao ny oloko. Raha mba afaka mandao azy ireo mantsy ah, satria izy rehetra dia mpijangajanga sy andiana mpamadika! 3 Yaveh dia nanambara hoe: "Manenjana ny tsipìkan-daingany amin'ny lelany izy ireo, nefa tsy nohon'ny fahatokian'izy ireo no mampatanjaka azy amin'ny tany. Niala tamin'ny asa ratsy iray izy ireo dia miditra amin'ny iray hafa. Tsy mahafantatra Ahy izy ireo." 4 Ianareo tsirairay avy, mitandrema amin'ny namanareo ary aza mahatoky ireo rahalahy. Fa ny rahalahy rehetra dia mpamitaka tokoa, ary ny namana rehetra dia mandeha amin'ny fanedrikendrehana. 5 Ny olona tsirairay dia maniratsira ny namany ary tsy milaza ny marina. Ny lelan'izy ireo dia mampianatra zavatra fitaka. Reraka amin'ny fanaovan-dratsy izy ireo. 6 Ny fonenanareo dia eo afovoan'ny fitaka; tao anatin'ny famitahan'izy ireo dia mandà ny hanaiky Ahy izy ireo—izany no fanambaran'Yaveh." 7 Yaveh Tompon'ny maro milaza hoe: "Indro, Izaho efa hizaha toetra sy hitsapa azy ireo, fa inona ihany koa no afaka ataoko, nohon'ny amin'izay nataon'ny oloko? 8 Ny lelan'izy ireo dia zana-tsipika maranitra; miresaka zavatra tsy mahatoky izy ireo. Amin'ny vavany no hanambarany fiadanana amin'ireo namany, fa amin'ny fony no hanaovany otrika ho azy ireo. 9 Tsy tokony hanasazy azy ireo ve Aho noho ny amin'ireo zavatra ireo—fanambaran'i Yaveh izany— ary tsy tokony hamaly faty amin'ny firenena tahaka izao ve ny tenako? 10 Hihira hira fisaonana sy fidradradradrana ho an'ireo tendrombohitra Aho, ary ny hiram-pandevenana dia hiraina eo amin'ireo tanin'ahitra. Fa nodorana izy ireo ka tsy misy afaka mandalo amin'izany. Tsy handre feon'ny biby fiompy intsony izy ireo. Ireo voron'ny lanitra sy ireo biby dia nandositra avokoa. 11 Koa dia hataoko ho antonta-paharavana i Jerosalema, sy fieren'ireo ambodia. Ireo tanàn'i Joda dia hataoko toerana rava tsy misy mponina." 12 Iza no olon-kendry mahatakatra an'izany? Ho an'iza no niresahan'ny vavan'i Yaveh, ka hanambara izany izy? Fa inona no nahasimba ilay tany sy nandravana azy tahaka ny efitra izay tsy ahafahan'iza n'iza mandalo? 13 Hoy Yaveh hoe: "Satria izy ireo nahafoy ny lalàko izay napetrako teo anoloany, satria tsy nihaino ny feoko na nandeha tamin'izany izy ireo. 14 Satria izy ireo dia nandeha tamin'ny ditran'ny fony sy nanaraka ireo Bala toy izay nampianarin'ireo razambeny azy ireo hatao. 15 Noho izany Yaveh Tompon'ny maro, ilay Andriamanitrin'ny Israely, milaza hoe: 'Indro, hampihinaniko hazo mangidy sy hampisotroiko rano misy poizina ity vahoaka ity. 16 Ary haeliko manerana ireo firenena izay tsy mbola fantatr'izy ireo, na izy ireo na ny razamben'izy ireo. Handefa sabatra hamely azy ireo Aho mandra-paharava azy ireo tanteraka."' 17 Yaveh Tompon'ny maro nilaza hoe: "Hevero izao: Miantsò mpihiram-pandevenana; aoka izy ireo ho avy. Mampiantsoa vehivavy manam-pahaizana amin'ny fitomaniana; aoka izy ireo ho avy. 18 Aoka izy ireo ho avy faingana ka hihira hira fisaonana eto amintsika, ka ho feno ranomaso anie ny masontsika ary ho tobakin'ny rano ny hodi-masontsika. 19 Fa ny feon'ny fidradradradrana dia heno any Ziona, 'Endrey ny faharavantsika. Menatra tanteraka isika, satria nandao ny tany isika hatramin'ny nandravany ny tranontsika.' 20 Koa ianareo ry vehivavy, henoy ny tenin'i Yaveh; tandremo ireo hafany izay avy amin'ny vavany. Koa ampianaro hira fisaonana ny zanakareo vavy, ary hira fandevenana ny vehivavy namanareo tsirairay avy. 21 Fa ny fahafatesana dia tonga avy eo amin'ny varavarankelintsika; niditra ao amin'ireo lapantsika izany. Mandringana ireo ankizy avy any ivelany izany, sy ireo tovolahy eny an-kianjan'ny tanàna. 22 Ambarao izao, "Izany no fanambaran' i Yaveh—ny fatin'ireo lehilahy dia hiraraka toy ny zezika eny an-tsaha, ary ho toy ny amboaram-bary ao aorian'ireo mpinjinja, ary tsy hisy olona hanangona an'izany."' 23 Izao no lazain'Yaveh: "Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, na ny lehilahy mpiady amin'ny heriny. Aoka ny mpanankarena tsy hirehareha amin'ny harenany. 24 Fa raha misy olona mirehareha amin-javatra, dia avelao amin'izao izany, fa manfatatra Ahy sy ny ao anatiko izy. Fa Izaho no Yaveh, izay miasa amin'ny fanekena tsy mivadika, ny rariny sy ny hitsiny eo an-tany. Fa amin'izany no ahazoako fafinaretana —izany no fanambaran'i Yaveh." 25 "Indro, tonga ireo andro—izany fanambaran'i no Yaveh—rehefa hanasazy ireo rehetra voafora amin'ny nofony ihany Aho. 26 Hanafay an' i Egypta sy Joda, Edoma, ny vahoakan'ny Amona, Moaba, ary ny olona rehetra izay manapaka ny volon-dohany ho tena fohy Aho. Fa ireo firenena rehetra ireo dia tsy voafora, ary ny ankohonan'Israely rehetra dia manana fo tsy voafora."
Nanohy niresaka momban'ny vahoakan'i Joda i Jeremia sy Yaveh.
Jeremia no miresaka eto. DH: "faniriako ny hitomany be!"
DH: "foana foana."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 4:11.
DH: "izay novonoin'ny fahavalo."
Mbola i Jeremia no miteny eto. "maniry aho raha mba misy olona manome"
Io dia manondro ny trano ho an'ny olona mandeha any an'efitra, izay afaka hijanonan'izy ireo ary hatoriany mandrira ny alina.
"hamela ny oloko ho irery"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ny filazana lainga dia resahina toy ny efa vita tamin'ny alalan'ny lelan'ny ratsy fanahy. Ary satria tsy afaka alaina ny lainga efa voalaza, ny filazana lainga dia resahina toy ny mandefa tsipika.
Io andalana io dia midika fa ireo olona ireo dia tsy nahatoky an'Andriamanitra. DH: "tsy nahatoky an'i Yaveh izy ireo."
Ity fomba fiteny Hebreo ity dia misy amin'ireo dikan-teny moderina no mandika azy hoe "tsy nahery tao amin'ny fahamarinana izy ireo."
DH: "manohy ny asa ratsin'izy ireo"
Manohy miresaka amin'i Jeremia mahakasika ny vahoakan'i Joda Yaveh.
Ny teny "ianareo" dia manondro ny vahoakan'i Joda.
"aza matoky ny namanareo Israelita, na ny rahalahy mpirai-tampo aminareo aza"
Ny filazana lainga mahakasika ny olona tsirairay avy dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny fanedrikendrehana.
"mifaneso avy ny olona rehetra, ary tsy milaza ny marina"
DH: "Mampianatra zavatra tsy marina izy ireo."
"Reraka tamin'ny fanotana be loatra izy ireo"
Miresaka amin'i Jeremia Yaveh. Ny fiarahana mipetraka eo amin'ireo mpandainga dia resahina toy ny hoe miaina eo anoloan'ny fitaka.
"tamin ny filazana ireo lainga ireo, ny vahoakan'i Joda dia nandà ny hankato Ahy ho Andriamanitra."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Manohy miresaka mahakasika ny vahoakan'i Joda Yaveh.
Ny lela dia mandratra olona amin'ny lainga toy ny zana-tsipika maranitra mandratra
DH: "hoy izy ireo tamin'ny fiteniny hoe maniry fiadadana miaraka amin'ireo rahalahiny izy ireo."
DH: "fa ny tena tian'izy ireo dia ny hamotika ireo namany."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 5:7.
Manohy miresaka momban'ny vahoakan'i Joda Yaveh. Tao amin'ny andininy faha 12, i Jeremia dia naneho hevitra.
Misaona ny tanin'Israely toy ny hoe olona maty Yaveh.
"toerana fihenjen'ireo biby"
"Satria nisy nandoro ny tanin'ahitra sy fihinanam-bilona."
"Tsy misy handre ny feon'ny biby fiompy"
"toerana fiafenan'ireo ambodia"
alikadia tena masiaka
"toerana izay tsy misy olona mipetraka"
DH: "raha tena hendry ireo mpaminaninareo, dia tokony ahafantatra ny antony naha rava ilay tany."
DH: "Raha tena miresaka amin'i Yaveh ireo mpaminaninareo, dia tokony afaka milaza aminareo izay nolazain'i Yaveh mahakasika ny famotehana ilay tany izy ireo."
DH:" Fa tsy hendry ireo mpaminaninareo ary Yaveh dia tsy niresaka tamin'izy ireo, koa tsy ho fantatr'izy ireo ny antony nahasimba ilay tany."
Manohy miresaka momban'ny vahoakan'i Joda Yaveh.
"rava ilay tany satria tsy nankato ny vahoakan'i Joda"
DH: "tsy nihaino ireo zavatra nolazaiko tamin'izy ireo."
DH: "na niaina ny fomba nasaiko niainan'izy ireo."
DH: "mafy loha izy ireo ary niaina tamin'ny fomba izay tiany izy ireo."
"ary nanompo ireo andriamanitra sandoka"
Manohy miresaka momban'ny vahoakan'i Joda Yaveh.
"Ary hanery azy ireo hiala eto Aho ary hiaina any amin'ny firenena samy hafa"
DH: "Handefa tafika miaramila hiady amin'izy ireo Aho."
Yaveh dia niteny ny vahoakan'i Joda mba hisaona amin'ny fiavian'ny fandravana ilay tany.
DH: "mangalà vehivavy izay tena tsara ofana amin'ny fisaonana ary ento aty ireo vehivavy ireo."
"Antsoy ireo vehivavy mpihira matianina amin'ny fandevenana"
DH: "lazao ireo vehivavy ho avy."
DH: "Mandefas olona haka ireo vehivavy izay manan-traikefa amin'ny fisaonana."
Yaveh dia milaza izay ho lazain'ny vahoakan'i Joda rehefa tonga ny fandravana. DH: "Lazao ireo vehivavy mba ho avy faingana ary hihira ho fisaonana antsika."
DH: "ka tena hitomany mafy isika."
Ireto ny tenin'i Yaveh mahakasika ny vahoakan'i Joda.
DH: "Mitomany mafy ny olona ao Jerosalema."
Yaveh dia milaza ny zavatra izay ho lazain'ny vahoakan'i Joda rehefa rava ilay tany."
"Lehibe ny fahafam-baraka antsika, satria nopotehin'ireo fahavalo ny tranontsika ary tsy maintsy mandao ny tanin'Israely isika"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy ny didy nolazain'i Yaveh ho henoina.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Izy roa ireo dia manamafy fa ny valin'ilay hafatrin'ny fitsaran'i Yaveh dia fisaonana. DH: "ary ampianaro ny fomba fisaonana ny olona hafa."
Ireto ny tenin'i Yaveh momban'ny vahoakan'i Joda.
Yaveh dia milaza ny zavatra izay ho lazain'ny vahoakan'i Joda rehefa rava ilay tany. Ny vahoakan'i Joda dia hampitaha ny fahafatesana amin'ny olona izay afaka mihanika varavarankely hanafika ny olona ao anatiny.
Trano raitra fipetrahan'ny mpanjaka. Ny fahafatesana dia ho avy amin'ny mpanankarena sy ny mahantra.
"Ny fahafatesana dia mamono ny ankizy eny an-dalana."
"ary ny fahafatesana dia hamono ireo tovolahy eny amin'ny kianjan'ny tanàna."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
"hianjera eny amin'ny toerana rehetra eny ny nofo mangatsiaka."
"hiraraka eny rehetra eny toy ny taim-biby eny an-tsaha ireo vatana mangatsiaka."
ary ho toy ny amboaram-bary milatsaka eny rehetra eny aorian'ny nanapahan'ny mpinjinja azy ireo."
"ary tsy hisy olona hanangona ireo vata-mangatsiaka"
Ireto ny tenin'i Yaveh.
"Ny olon-kendry dia tsy tokony hirehareha satria izy izy hendry"
"Ny mpanankarena dia tsy tokony hirehareha satria izy manan-karena"
"fa izy mahafantatra Ahy ary miaina amin'ny fomba izay ankasitrahiko"
DH: "Fa ny olona dia tokony hafantatra fa Izaho no Yaveh."
"ary mahafinaritra Ahy ny olona rehefa manao zavatra tamim-panekena mahatoky, tamim-pahamarinana sy ara-drariny"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ireto ny tenin'i Yaveh.
DH: "hisy fotoana"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Io dia manondro ny vahoakan'Israely izay niditra tao amin'ny fifaneken'i Yaveh tamin'ny famorana azy, saingy tsy nanaraka ny lalany.
Io dia mety manondro ireo olona izay manapaka ny volony ho tena fohy mba hanompoina ny andriamanitri'ny sampy.
Misy amin'ireo dikanteny vaovao no mandika io fomba fiteny io ho "ary ny olona rehetra izay miaina eny amoron'ny tany efitra."
Ireo vahiny mbola tsy voafora dia famantarana fa tsy tao anatin'ny fifaneken'i Yaveh izy ireo. DH: "Satria ireo firenena ireo dia tsy niditra tao anatin'ilay fifanekena niaraka tamin'i Yaveh tamin'ny alalan'ny famorana."
Ny fo tsy voafora dia mampiseho ny toetran'ny olona iray izay tsy mankato ny didin'i Yaveh. DH: "ary ny vahoakan'Israely rehetra dia tsy nitandrina ny fifanekena niaraka tamin'i Yaveh tamin'ny alalan'ny fankatoavana Azy."
1 "Henoy ny teny izay ambaran'i Yaveh anareo, ry ankohonan'Israely. 2 Izao no lazain'i Yaveh: "Aza mianatra ny lalan'ireo firenena ireo, ary aza raiki-tahotra ny amin'ireo famantarana eny amin'ny lanitra, fa ireo firenena dia raiki-tahotra noho ireo. 3 Fa ny fomba fanao ara-pivavahan'ireo olona ireo dia tsy misy dikany. Nanapaka hazo tany an'ala izy ireo, ary ny mpanao asa-tanana misokitra ny hazo. 4 Avy eo dia haigon'izy ireo amin'ny volafotsy sy volamena izany. Hamafisiny amin'ny tantanana sy fantsika mba tsy hianjera izany. 5 Ny amboarin'ny tanan'izy ireo dia zavatra tahaka ireo kaly mampatahotra eny an-tsahan-kaonkaombira, satria ireo koa, dia tsy afaka miteny na inona na inona, ary tsy maintsy lanjain'izy ireo satria tsy afaka mandeha. Aza matahotra ireo, fa tsy afaka mitondra ratsy, na koa zavatra tsara ireo.'" 6 Tsy misy olona tahaka Anao, ry Yaveh. Lehibe Ianao, ary lehibe amin'ny hery ny anaranao. 7 Iza no tsy matahotra Anao, ry Mpanjakan'ireo firenena? Fa izany no mendrika Anao, satria tsy misy tahaka Anao eo amin'ireo lehilahy hendry rehetran'ireo firenena na ireo fanjakan'ny mpanjaka rehetra. 8 Mitovy avokoa izy ireo, ketrina sy adala izy ireo, mpianatr'ireo sampy izay tsinontsinona fa hazo. 9 Izy ireo dia mitondra tantanana volafotsy avy any Tarsisy, sy volamena avy any Ofaza nataon'ireo mpanao asa-tanana, dia ny tananan'ireo mpandrendrika. Ny ankanjon'izy ireo dia lamba manga sy voloparasy. Ireo lehilahy mahain'izy ireo no nanao ireo zavatra rehetra ireo. 10 Kanefa Yaveh no Andriamanitra marina. Andriamanitra velona sy mpanjaka mandrakizay Izy. Mihorohoro amin'ny fahatezarany ny tany, ary tsy afaka miaritra ny fahatezerany ireo firenena. 11 Hiresaka amin'izy ireo tahaka izao ianao: "Ireo andriamanitra izay tsy nanao ny lanitra sy ny tany dia ho faty amin'ny tany sy ny amban'io lanitra io." 12 Fa Izy no nanao ny tany tamin'ny alalan'ny heriny, sy nametraka izao tontolo izao tamin'ny fahendreny, ary tamin'ny alalan'ny fahazavan-tsainy no namelarany ny lanitra. 13 Ny feony no mampiraondraona ny rano eny amin'ny lanitra, ary Izy no mampiakatra ireo zavona avy any amin'ny faran'ny tany. Manao ny tselatra ho an'ny orana Izy ary mandefa ny rivotra avy amin'ny trano fitehirizana. 14 Lasa tsy ampy fahalalana ny olona rehetra, tsy misy fahalalana. Nalain'ireo sampiny baraka ireo mpiasa vy rehetra. Fa fitaka ireo sarin-javatra voasokiny; tsy misy fiainana ao amin'ireo. 15 Tsy misy ilàna azy ireo, asan'ireo mpaneso; ho foana ireo amin'ny fotoanan'ny famaizany. 16 Nefa Andriamanitra, ilay ampahan'i Jakoba, dia tsy tahaka ireny, fa Izy no mpamolavola ny zavatra rehetra. Israely dia fokon'ny lovany; Yaveh Tompon'ny maro no Anarany. 17 Angony ny fanananareo ary mialà amin'ny tany, ianareo olona mitoetra ambanin'ny fahirano. 18 Fa izao no lazain'Yaveh: "Indro, efa handroaka ireo mponin'ilay tany Aho amin'izao fotoana izao. Hahatonga fahoriana amin'izy ireo Aho, ary ho itan'izy ireo tokoa izany." 19 Loza ho ahy! Noho ireo taolako tapaka, dia manonitra ny feriko. Ka hoy aho: "Fahoriana tokoa izao, nefa tsy maintsy zakaiko." 20 Rava ny laiko, ary ireo tadin'ny laiko rehetra dia nizara roa. Efa nanala ireo zanako tamiko izy ireo, ka tsy nisy intsony izy ireo. Tsy misy olona hamelatra ny laiko na hanangana ny lamban-daiko intsony. 21 Fa adala ireo mpiandry ondry ary tsy mitady an'i Yaveh izy ireo; koa tsy nambinina izy ireo, ary ny ondrin'izy ireo rehetra dia niparitaka. 22 Efa tonga ny tatitry ny vaovao: "Indro, tonga, tonga avy any avaratra ny horohoron-tany lehibe. Mba hamotika ireo tanànan'i Joda, fiafenana ho an'ny ambodia." 23 Fantatro, ry Yaveh, fa ny lalan'ny olona iray dia tsy avy aminy. Tsy misy olona mandeha mahitsy amin'ny famindrany. 24 Ampianaro, amin'ny fahamarinanao aho, ry Yaveh, fa tsy amin'ny fahatezeranao ka hamotika ahy Ianao. 25 Arotsaho eo amin'ireo firenena izay tsy mahalala Anao sy ireo fianakaviana izay tsy miantso ny Anaranao ny fahatezeranao. Fa efa nandrapaka an'i Jakoba sy nitelina azy mba handrava azy tanteraka sy handrodana ny fonenany izy ireo.
Yaveh dia sendra nahatsiaro ny vahoakan'i Joda, torak'izany Egypta, Edoma, Amona, Moaba sy ny olona rehetra izay ho saziana.
Aza manaraka izay hinoan'ireo firenena tsy misy lalàna"
"mihorohoro"
"amin'ireo zavatra hafahafa eny amin'ny lanitra"
"fa ny olon'ireo firenena dia matahotra amin'ilay zavatra hafahafa hitan'izy ireo teny amin'ny lanitra"
Yaveh dia nampatsiahy azy ireo tsy hanaraka ny lalan'ireo firenena ireo na hitaintaina amin'ireo zavatra izay mitranga eny an-danitra.
Lehilahy manan-traikefa amin'ny asany
Ny kaly dia zavatra miendrika olona izay natao ampitahotra ireo vorona ary misoroka azy ireo amin'ny fihinanaa ireo vokatra.
Legioma lavalava, miloko maitso ary fotsy ny ao anatiny izay be ranony
Niresaka momban'ny fanompoam-tsampy i Jeremia.
Tsy niandradra valiny tamin'io fanontaniana io i Jeremia. DH: "Ny olona rehetra dia tokony hatahotra Anao, ry Mpanjakan'ireo firenena"
"izany no azonao"
Ny teny "ketrina" sy "adala" dia mitovy ny heviny ary manamafy ny adalan'ireo olona mpanompo sampy. DH: "tena adala ny tsirairay avy amin'izy ireo."
Toerana izay nandredrehana ny volafotsy sy volamena
"volamena avy any Ofaza izay nataon'ireo mpanao asa-tanana sy mpanefy"
"Nampiakanjon'ireo olona akanjo tsara tarehy ilay sampy"
"Mihovitrovitra"
Miresaka amin'i Jeremia Yaveh.
DH: "Ilay mpamorona dia mahery no hendry. Izy no nanao ny tany sy lanitra."
DH: "Izy no mifehy ny tafio-drivotra eny amin'ny lanitra amin'ny alalan'ny fitenenana"
DH: "Izy no manao ny rahona eny ambonin'ny tany rehetra eny."
trano izay hitehirizana ireo zavatra
"tsy mahafantatra" na "tsy mahalala"
"izay notompoin'ny vahoakan'Israely"
"ilay mpamorona ny zava-drehetra" na "ilay namorona ny zava-drehetra"
Ny teny "indro" dia manamafy ny fanambarana manaraka.
DH: "hanery ireo olona miaina ao amin'io tany io hiala Aho"
"ireo olona izay miaina ao amin'ilay tany"
"fijaliana lehibe"
Jeremia dia miresaka toy ny hoe izy no fokon'Israely manontolo.
DH: "Ao anaty olana lalina toy ny olona tapa-taolana sy tratran'ny otri-karetina isika."
Nopotehin'ny fahavalo tanteraka ny tanànako
"nentin'ireo fahavalo"
DH: "Tsy misy olona hanambotra ny tananantsika."
"nisaraka sy nandeha tamin'ny lalana samihafa"
karazana alikadia fahita any Afrika
DH: "Sazio mafy ny olon'ireo firenena"
Ny teny "nandrapaka" sy "nitelina" dia samy mitovy ny heviny hoe "namotika tanteraka." Namerina io intelo i Jeremia mba hanamafisana ilay famotehana tanteraka an'Israely.
"handrava ny tany izay nipetrahan'izy ireo"
1 Izao no teny izay tonga tamin'i Jeremia avy amin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Henoy ireo tenin'ity fifanekena ity, ary ambarao amin'ny olona tsirairay ao Joda sy ireo mponin'i Jerosalema izany. 3 Mitenena amin'izy ireo hoe: 'Yaveh, Andriamanitr'Israely no miteny izao: voaozona izay tsy mihaino ireo tenin'ity fanekena ity. 4 Ity no fanekena izay nandidiko hotandreman'ireo razambenareo tamin'ny andro nitondrako azy ireo hivoaka ny tany Egypta, amin'ny lafaoro lehibe fandrendrehana vy. Dia niteny aho hoe: "Henoy ny feoko ary tanteraho ireo zavatra rehetra arak'izay nandidiako anareo, fa ho oloko ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo." 5 Mankatoava Ahy mba ahafahako manamafy ny fianianana izay nianianako tamin'ireo razambenareo, ny fianianana fa hanome azy ireo tany tondra-dronono sy tantely Aho, izay honenanareo ankehitriny." Ary izaho, Jeremia, namaly ka niteny hoe: "Eny, ry Yaveh!" 6 Dia niteny tamiko Yaveh hoe: "Ambarao any amin'ireo tanin'i Joda sy eny amin'ny lalan'i Jerosalema ireo zavatra rehetra ireo. Lazao hoe: 'Henoy ireo tenin'izao fanekena izao ary tanteraho ireo. 7 Fa efa nanome didy manetriketrika ho an'ireo razambenareo aho nanomboka tamin'ny andro nitondrako azy amin'ny tany Egypta ka mandraka-ankehitriny, nampitandrina azy ireo amim-pikirizana ka nanao hoe: "Henoy ny feoko."' 8 Fa tsy nihaino na nihevitra ahy akory izy ireo. Samy nandeha araka ny hamafisan'ny fo ratsiny ny olona tsirairay. Ka nitondra ireo voaozona tao amin'ny fanekena izay nandidiako aho mba ho avy hanohitra azy ireo. Fa mbola tsy nankatò ihany ny vahoaka." 9 Dia niteny tamiko Yaveh hoe: "Nahitana teti-dratsy teo amin'ireo olon'i Joda sy ireo mponin'i Jerosalema. 10 Niverina tamin'ireo helok'ireo razany teo aloha izy ireo, izay nandà hihaino ny teniko, fa naleon'izy ireo kosa manaraka ireo andriamanin-kafa mba hanompo azy ireo. Nivadika tamin'ny fifanekena izay napetrako niaraka tamin'ny razan'izy ireo ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Jerosalema. 11 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh: "Indro, hitondra loza ho amin'izy ireo Aho, loza izay tsy ahafahan'izy ireo mandositra. 12 Dia hiantso Ahy izy ireo, fa tsy hihaino azy ireo Aho. Handeha sy hiantso ireo andriamanitra izay notoloran'izy ireo fanatitra ny tanànan'i Joda sy ny mponin'i Jerosalema, nefa azo antoka fa tsy hahavonjy azy ireo amin'ny andron'ny loza izy ireo. 13 Ho anao ry Joda, dia nitombo ho tahaka ny isan'ireo tanànanao ny isan'ireo andriamanitrao. Ianao no nanao ny isan'ireo alitara mahamenatra tao Jerosalema, alitaran'ny ditin-kazo manitra ho an'i Bala, hitovy isa amin'ireo lalany. 14 Ka ianao, ry Jeremia, aza mivavaka ho an'ity vahoaka ity. Aza midradradradra na mivavaka amin'ny anaran'izy ireo. Ary tsy hihaino azy ireo aho rehefa miantso ahy anatin'ny lozany izy ireo. 15 Nahoana ny malalako, ilay iray izay nanana fikasana ratsy maro be, no ao an-tranoko? Tsy afaka manampy anao ny henan'ireo fanatitrao. Mifaly ianao noho ireo asa ratsinao. 16 Hazo oliva miravina no niantsoan'i Yaveh anao taloha, tsara tarehy miaraka amin'ny voany maha-te hizaha. Fa handrehitra afo eo amin'izany izy izay ahoraka tahaka ny fiheron'ny kotroka; ho tapaka ireo rantsany. 17 Fa Yaveh Tompon'ny maro, izay namboly anao, nandidy loza taminao noho ireo asa ratsy izay nataon'ny taranak'Israely sy ny taranak'i Joda—Nahatezitra ahy izy ireo tamin'ny nanomezana ireo fanatitra ho an'i Bala."' 18 Nampahafantarin'i Yaveh ahy izany zavatra izany, ka fantatro ireo. Ianao, ry Yaveh, nampahita ahy ireo asan'izy ireo. Dia tahaka ny zanak'ondry malemy fanahy 19 izay nentina eny amin'ny mpivaro-kena aho. Tsy nahafantatra aho fa namorona fikasana ratsy hanohitra ahy izy ireo hoe: "Andeha haringantsika ny hazo sy ny voany! Andeha ho tapahitsika hiala amin'ny tany amin'ny fitoerany izy ka tsy ho tsaroina intsony ny anarany." 20 Fa Yaveh Tompon'ny maro no mpitsara marina izay mandinika ny fo sy saina. Ho vavolombelon'ny famalianao hanohitra azy ireo aho, fa nampiseho ny momba ahy taminao aho. 21 Noho izany Yaveh dia niteny izao mahakasika ny vahoakan'i Anatota izay mifofo ny ainao: "Hoy izy ireo: 'Aza maminany amin'ny anaran'i Yaveh ianao, fandrao ho faty amin'ny alalan'ny tananay. 22 'Dia hoy Yaveh Tompon'ny maro: 'Indro, efa hanafay azy ireo aho. Ireo tovolahy maherin'izy ireo dia ho fatin'ny sabatra. Ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'izy ireo dia ho fatin'ny mosary. 23 Tsy hisy na iray aza ho tavela amin'izy ireo, satria hitondra loza hanohitra ny vahoakan'i Anatota aho, taona iray ho an'ny famaizana azy ireo.
"ireo olona izay niaina tao Jerosalema"
fandorana ny vy mba hivadika ho tsiranoka
Izany dia midika fa ho tany manankarena sy mamokatra ilay tany, ka hisy sakafo sahaza ny olona rehetra. DH: "ilay tany izay tsara ho an'ny biby fiompy sy ny fambolena"
"matotra"
Ny olona tsirairay avy dia nandà ny fiovana ary nanohy nanao ireo fomba ratsy izay tian'izy ireo atao"
Tetika ambadika hanaovana zavatra ratsy na tsy ara-dalàna
"ireo olona izay miaina tao Jerosalema"
DH: "henoy" na "Mihainoa ny zavatra izay ho lazaiko anareo"
Adikao toy ny fomba nandikanao ny "Raha ny aminao ... amin'ny anaran'izy ireo" tao amin'ny 7:16.
"Aza mitomanin'alahelo"
Io fanontaniana io dia maneho fanambarana na fitenenana mafy. DH: "Ry malalako, izay manana fikasan-dratsy maro, dia tsy tokony ho ato an-tranoko."
Io andalana io amin'ny teny Hebreo dia tena sarotra, ary misy amin'ireo dikan-teny taty aoriana no mandika azy amin'ny fomba samihafa.
tempoly
Ny vahoakan'Israely dia resahina toy ny vehivavy tsy manambady be mpitia.
Ireo olona dia matetika resahina toy ny hazo na zava-maniry ao amin'ny Testamenta Taloha.
Io fomba fiteny io dia manohy ilay sarintenin'ilay hazo. Ny afo dia maneho ny famotehana ny olona.
DH: "izay nametraka anao teo amin'ny tanin'Israely sy Joda"
DH: "izay entin'ireo fahavaloko eny amin'ny mpivaro-kena"
DH: "tsy ho tsaroin'ny olona intsony ny anarany"
tanana miavaka hipetrahan'ireo mpisorona
ireo lehilahy ao amin'ny fahatanjahany
DH: "tsy hamela na iray amin'izy ireo Aho"
1 Marina ianao, ry Yaveh, isaky ny mifanditra Aminao aho. Tokony hilaza Aminao tokoa ny antony hitarainako aho: Nahoana ny lalan'ny ratsy fanahy no mahomby? Ny olona tsy manam-pinoana rehetra dia mahomby. 2 Nambolenao izy ireo ary naniry faka. Tsy mitsahatra mamoa izy ireo. Akaikin'ny vavan'izy ireo Ianao, nefa lavitra ny fon'izy ireo. 3 Fa Ianao, ry Yaveh, mahalala ahy. Mahita ahy ianao ary mizaha toetra ny foko aminao. Ento toy ny ondry ho vonoina izy ireo, ary hatokany ho amin'ny andro famonoana! 4 Mandra-pahoviana ny tany no hihamaina hatrany, ary ny zava-maniry eny amin'ny saha rehetra halazo noho ny amin'ny faharatsian'ireo mponina ao aminy? Ireo biby sy vorona dia efa noesorina. Fa kosa, hoy ny vahoaka hoe: "Tsy fantatr'Andriamanitra izay hanjo antsika." 5 Hoy Yaveh: "Eny tokoa, raha ianao, ry Jeremia, efa niara-nihazakazaka tamin'ireo miaramila mpandeha tongotra ary norerahin'izy ireo ianao, ahoana no hifaninananao amin'ny soavaly? Raha mianjera amin'ny tanàna azo antoka ianao, ahoana no ataonao any amin'ny kirihitr'ala eny amoron'i Jordana? 6 Fa na dia ireo rahalahinao sy ireo fianakavian'ny rainao aza dia efa namadika anao ary efa niampanga mafy anao. Aza matoky azy ireo, na dia milaza zavatra mahafinaritra aminao aza izy ireo. 7 Efa nandao ny tranoko aho; efa nahafoy ny lovako. Nanome ireo vahoaka malalako teo an-tanan'ireo fahavalony Aho. 8 Efa lasa toy ny liona any anaty kirihitr'ala ho ahy ny lovako; mametraka ny tenany hanohitra ahy tamin'ny feony izy, ka halako izy. 9 Tsy toy ny vorona mpihaza ve ny loka fananako, no hanohitra azy ireo vorona mpihaza hafa rehetra manodidina? Mandehana ary vorio ny biby rehetra ary ento handrapaka azy izy ireo. 10 Mpiandry ondry maro no efa nanimba ny tanim-boaloboko. Efa nohitsakitsahiny ny anjara taniko rehetra; nataony tany efitra sy lao ny anjara taniko mahafinaritra. 11 Nataon'izy ireo lao izy. Malahelo azy aho; lao izy. Ny tany rehetra dia lasa lao avokoa, satria tsy nisy na iray aza nandray izany am-po. 12 Ireo mpandrava dia tonga hanohitra ireo toerana foana rehetra tany an'efitra, fa ny sabatr'i Yaveh dia mandevona avy any amin'ny faran'ny tany hatrany amin'ny iray hafa. Tsy misy fiadanana ao amin'ny tanin'ny zava-manan'aina rehetra. 13 Namafy vary izy ireo nefa tsilo no vokatra. Reraka amin'ny asa izy ireo nefa tsy nahazo na inona na inona. Koa meteza ho menatra ny amin'ny vokatrareo nohon'ny fahatezeran'i Yaveh." 14 Izao no lazain'i Yaveh tamin'ny mpiara-belona amiko rehetra, ny ratsy fanahy izay nandroba ny fananana izay nataoko ho lovain'ny Israely vahoakako, "Indro, Izaho ilay tokana izay hanongotra azy ireo eo amin'ny taniny, ary hongotako tsy ho eo amin'izy ireo ny tranon'i Joda. 15 Aorian'izay dia ho fongorako ireo firenena ireo, ary hamindra fo amin'izy ireo aho ary hitondra azy ireo hiverina; hamerina azy ireo aho—ny olona tsirairay samy amin'ny lovany sy amin'ny taniny. 16 Raha mianatra tsara ny fomban'ny oloko ireo firenena ireo, ka mianiana amin'ny anarako 'Raha velona koa Yaveh' tahaka ny efa nampianaran'izy ireo ny oloko mba hianiana amin'i Bala, dia haorina eo afovoan'ny oloko izy ireo. 17 Fa raha misy tsy mihaino dia ho fongorako izany firenena izany. Izany dia ho fongorana tokoa ary horavana—izany no fanambaran'i Yaveh."
Miresaka amin'i Yaveh i Jeremia.
"izy ireo dia tsy tia sy manaja Anao"
Manohy miresaka amin'i Yaveh i Jeremia.
"Mivonona hanasazy ireo vahoaka ratsy fanahy ireo"
"Naharitra ela loatra ny hain-tany nateraky ny faharatsian'ny vahoaka."
Matin'ny hain-tany ireo bibidia sy ireo vorona.
"tsy mahita ireo ota ataontsika Andriamanitra"
Ireo fanontaniana roa ireo dia nokasaina atao ho fanambarana. DH : "tsy afaka ny hifaninana amin'ny soavaly ianao ... ho resy eny amin'ny kirihitr'ala eny amoron'i Jordana ianao?
Misy amin'ireo dikanteny taty aoriana no mandika io an-dalana amin'ny teny Hebreo ho "raha mahatsiaro milamina any amin'ny tanàna azo antoka ianao."
Io dia manondro ilay tanàna malalaka izay mora andehanana raha ampitahaina amin'ilay rakotry ny kirihitr'ala eny amoron'ny onin'i Jordana izay sarotra aleha.
hazo maro na hazo kely maniry miaraka
Ireo fehezanteny telo ireo dia mitovy ny heviny. Ilay voalohany sy faharoa dia manamafy ilay fahatelo. DH: "namela ireo fahavalon'ny oloko hisambotra azy ireo Aho."
vorona izay mihaza sy minana ireo biby
"Nitsahin'izy ireo tamin'ny tongotr'izy ireo" na "nopotehin'izy ireo"
"ny tany namboleko"
Ny teny "izy" eto dia manondro ilay Tany Nampanantenaina
Ny teny "izy" eto dia manondro ilay Tany Nampanantenaina
"niraharaha" na "nihaino"
"tsy rakotra" na "tsy misy na inona na inona"
Yaveh dia nampiasa ireo tafika ireo hanasaziana ny vahoakany
Io dia manondro ny tany nampanantenaina rehetra
"ny oloko"
hazo lava izay rakotra zava-maranitra
"vizana'
nanafika ary nisambotra
DH: "nomeko an'Israely vahoakako"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:9.
namela ny vahoakan'i Joda handao ny tanin'ireo fahavalon'izy ireo ary hiverina ao Joda
na "fongorako"
DH: "hamela ny vahoakan'i Joda handao ny tanin'ireo fahavalon'izy ireo ary hiverina ao Joda
Tenin'Andriamanitra mahakasika ny mpiara-monina amin'i Joda.
"Izao no hitranga ... Bala. Izy ireo" na "Raha ... Bala, dia izao no hitranga: izy ireo dia"
"ho ataoko manankarena ary hihaina eo amin'ny vahoakako izy ireo"
"ho ataoko sesintany tokoa ary ho ravaiko tanteraka izany firenena izany"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
1 Nilaza izao tamiko Yaveh hoe: "Mandehana ary mividiana atin'akanjo rongony fotsy ka afatory eo amin'ny andilanao izany, saingy aza atao anaty eo rano aloha izany." 2 Koa dia nividy atin'akanjo araka izay nitarihan'i Yaveh ahy aho, ary nafatotro teo amin'ny andilako izany. 3 Dia tonga tamiko fanindroany ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 4 "Raiso ilay atin'akanjo izay avy novidianao izay eo amin'ny andilanao, mitsangana ka mandehana any amin'ireo Eofrata. Afeno ao anaty haram-bato izany." 5 Koa nandeha aho ary nanafina izany tany amin'ireo Eofrata araka izay nandidian'i Yaveh ahy. 6 Afaka andro maromaro, dia niteny tamiko i Yaveh hoe: "Mitsangana ka mandehana miverina any amin'ireo Eofrata. Alaivo any ilay atin'akanjo izay nolazaiko hafeninao." 7 Koa niverina tany amin'ireo Eofrata aho ary nangady tao ilay nanafenako ilay atin'akanjo. Kanefa indro! Simba ilay atin'akanjo; tsy mba tsara intsony ilay izy. 8 Avy eo dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 9 "Hoy Yaveh hoe: Mitovy amin'izany ny fomba hamotehako ny fiavonavonana lehiben'ny Joda sy Jerosalema. 10 Io vahoaka ratsy izay mandà ny hihaino ny teniko io, izay mandeha amin'ny fahamafisan'ny fon'izy ireo, izay manaraka andriamanin-kafa mba hanompo ireny sy hiankohoka amin'ireny—ho tahaka izany atin'akanjo izany izy ireo izay tsara fa tsy misy dikany. 11 Fa tahaka ny atin'akanjo iray mifikitra amin'ny taolan-tehezan'olona, dia toy izany koa no efa nanaovako ny taranak'Israely sy ny taranak'i Joda hifikitra Amiko—izany no fanambaran'i Yaveh—mba ho vahoakako, mba hitondra laza, dera, ary voninahitra ho Ahy. Saingy tsy nihaino ahy izy ireo. 12 Koa tokony hiteny izao teny izao ho azy ireo ianao hoe: 'Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely dia milaza izao: Ny tavoara rehetra dia ho feno divay.' Hiteny aminao izy ireo hoe: 'Moa tsy fantatray tokoa ve fa ho feno divay ny tavoara rehetra?' 13 Ka dia lazao izy ireo hoe: 'Hoy Yaveh hoe: Indro, ho fenoiko fahamamoana ny mponina rehetra an'ity tany ity, ireo mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, ireo mpisorona, mpaminany, ary ireo mponin'i Jerosalema rehetra. 14 Ary dia ho ampifamotehiko izy ireo, ireo ray sy ireo zanaka miaraka—izany no fanambaran'i Yaveh—Tsy hamindra fo amin'izy ireo Aho na hanana fangoraham-po, ary tsy hanavotra azy ireo amin'ny fahapotehina Aho. 15 Mihainoa ka mandrenesa. Aza miavonavona, fa Yaveh no efa niteny. 16 Manomeza voninahitra ho an'i Yaveh Andriamanitrareo mialohan'ny hitondrany aizina, ary mialohan'ny hanafintohinany ny tongotrareo ao an-tendrombohitra amin'ny maizimaizina. Fa manantena hazavana ianao, saingy hamadika ny toerana ho aizina lalina Izy, ho rahona mainty. 17 Noho izany raha tsy hihaino ianao, dia hitomany irery aho noho ny fiavonavonanao. Hanganohano sy hikoriana ranomaso tokoa ny masoko, satria nobaboina ireo ondrin'i Yaveh. 18 Lazao ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy reniny hoe: 'Manetre tena ianareo ka mipetraha, fa ireo satro-boninahitra eo amin'ny lohanareo, ny fireharehana sy voninahitrareo, dia efa nianjera.' 19 Hikatona avokoa ireo tanànan'i Negeva, tsy misy iray hamoha ireo. Ho baboina i Joda, ho atao sesitany ny aminy rehetra. 20 Asandrato ny masonao ka jereo ireo tonga avy any avaratra. Aiza ny andian'ondry izay nomeny anao, ny andian'ondry izay tena tsara tarehy taminao? 21 Inona no ho lazainao rehefa apetrak'Andriamanitra eo aminao ireo izay efa nampianarinao mba ho sakaizanao? Tsy ireo ve ny fiantombohan'ireo fanaintainana izay hahazo anao tahaka ny vehivavy miteraka? 22 Dia mety hiteny anakampo ianao hoe: "Nahoana no miseho amiko ireo zavatra ireo?" Dia ho amin'ny fahamaroan'ireo fahotanao no nampiainga ireo ziponao ary nanolanana anao. 23 Moa afaka ny hanova ny volon-kodiny ve ny Kosy, na ny leoparda hanova ny pentiny? Raha izany, dia ianao tenanao, na dia zatra ny faharatsiana aza, dia afaka manao ny tsara. 24 Noho izany dia hampiely azy ireny tahaka ny akofa izay levon'ny rivotry ny efitra Aho. 25 Izany no nomeko anao, ny anjara izay efa nodidiko ho anao—izany no fanambaran'i Yaveh—satria efa nanadino Ahy ianao ary nitoky tamim-pitaka. 26 Noho izany ihany koa dia Izaho mihitsy no hanala ny ziponao aminao, ary hiseho ireo faritra saro-padinao. 27 Efa nahita ny fanitsakitsaham-bady sy ny fihikanao Aho, ny faharatsian'ny fivarotan-tenanao teny amin'ireo havoana sy teny amin'ireo saha, ary efa nahita ireny zavatra maharikoriko ireny Aho! Loza ho anao, ry Jerosalema! Hafiriana izany vao ho madio indray ianao?"
karazana akanjo manify
akanjo izay fanaovan'ny olona anatin'ny akanjon'izy ireo hafa
fisasahan'ny vatana, eo anelanelan'ny valahaa sy ny tratra
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
malalaka eo amin'ireo vato na tresaka eo amin'ny vato, ampy hametrahana zavatra ao anatiny
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
"mihebohebo"
"vahoakan'i Joda sy Jerosalema"
"izay mafy loha foana"
"ny vahoaka rehetra an'i"
"nijanona eo akaikiko"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
hahamamo ny olona rehetra ao amin'io tany io Aho"
"ireo mpanjakan'ny firenena tao Joda"
DH: "hifamono ireo olona; na ny ray aman-dreny sy ny zanaka aza dia hifamono"
"tsy hitsetra Aho"
DH: "tsy hihazona ny fanasaziana" na "hamela azy ireo ho potehina" na "na hamela azy ireo hiatrika fandravana"
"Aza miseho ho tsara, mahay, na manan-danja noho ireo hafa"
"hahatonga ny aizina" Ny aizina dia mariky ny korontana sy fahadisoam-panantenana"
DH: "mialohan'ny handakan'ny tongotrareo zavatra raha iny ianareo mandeha na mihazakazaka iny mba hianjera"
"hanamaizina tanteraka ilay toerana Izy"
Manohy miresaka amin'i Jeremia Yaveh. Miteny ny zavatra ho lazain'i Jeremia amin'ny mpanjakan'i Joda ny renin'ny mpanjaka Izy.
"Tsy ho mpanjaka sy renin'ny mjanjaka intsony ianareo"
"Ireo fahavalonareo dia hanakatona ireo tanàna ao Negeva"
"Ireo fahavalo dia haka an'i oda ho babo"
Miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh.
"mahatakatra izay hitranga aminao"
"noesorina ny olona rehetra"
DH: "Ireo olona izay noeritreretinareo hoe namanareo dia hisambotra anareo ary hanapaka eo aminareo."
Yaveh dia milaza amin'izy ireo fa ny fisamborana azy ireo dia fiantombohan'ny fanaitainana ho lalovan'izy ireo.
Manohy miresaka amin'i Jeremia Yaveh. Miteny ny zavatra ho lazain'i Jeremia amin'ny mpanjakan'i Joda ny renin'ny mpanjaka Izy.
DH: "Hampiakatra ny zipon'ny vadinao ireo miaramilan'ny tafika mpanafika". Ho rovitina ny akanjon'ireo vehivavy Jodeana mba ahafahan'ireo miaramila Babyloniana misambotra sy miara mandry amin'izy ireo.
DH: "Tsy afaka ny hanova ny volon-kodiny ny vahoakan'i Kosy"
DH: "ny leoparda dia tsy afaka manova ny pentiny"
DH: "sy afaka ny hanao ny tsara ianareo noho ny faharatsiam-panahinareo."
Yaveh dia milaza fa hanaparitaka ny olony manerana izao tontolo izao Izy.
DH: "Izao no ho ataoko hitranga aminareo"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
DH: "Hampiharihary ny haratsianareo Aho."
Feon'ny soavaly lahy maniry soavaly vavy. DH: "filàna"
1 Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Jeremia momba ny hain-tany, 2 "Aoka hisaona i Joda, aoka hitanondrika ny vavahadiny. Midradradradra ny amin'ny tany izy ireo; miakatra ny fitarainan'izy ireo ho an'i Jerosalema. 3 Ireo lehibeny maniraka ireo mpanompony hitady rano. Rehefa mandeha any amin'ny famorian-drano izy ireo, dia tsy mahita rano. Miveri-maina avokoa izy ireo; manarona ny lohan'izy ireo ny henatra sy fahafaham-baraka. 4 Noho izany dia nitresaka ny tany, satria tsy misy orana teo amin'ilay tany. Ireo mpiasa tany dia menatra ary manarona ny lohan'izy ireo. 5 Fa na dia ny diera vavy aza mamela ny zanany any an-tsaha ary mandao azy ireo, satria tsy misy vilona. 6 Ny boriky dia mijanona any amin'ny tani-hay ary misefosefo amin'ny rivotra tahaka ny amboadia. Jambena ny mason'izy ireo, satria tsy misy zava-maniry." 7 Ry Yaveh, na dia niampanga anay aza ny helokay, dia miasà noho ny amin'ny anaranao. Fa ny asanay tsy am-pinoana dia mitombo; efa nanota taminao izahay. 8 Ry fanantenan'ny Israely, ilay tokana izay namonjy azy tamin'ny fotoam-pahoriana, nahoana Ianao no ho tahaka ny vahiny amin'ny tany, tahaka ny vahiny mpirenireny izay mitsotra ka mandry indray alina monja? 9 Nahoana no tahaka ny olona very hevitra Ianao, ho tahaka ny mpiady izay tsy afaka mamonjy na iza na iza? Fa Ianao dia eo anivonay, ry Yaveh! Efa nambara teo aminay ny anaranao. Aza mandao anay. 10 Izao no nambaran'i Yaveh amin'ity vahoaka ity: "Satria tia mirenireny izy ireo, dia tsy nihazona ny tongony tamin'ny fanaovana izany izy ireo." Tsy faly amin'izy ireo Yaveh. Ankehitriny mahatsiaro ny helok'izy ireo Izy, ary nanafay ny fahotany. 11 Hoy Yaveh tamiko: "Aza mangataka izay ahasoa ity vahoaka ity. 12 Fa raha mifady hanina izy ireo, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho, ary raha manao fanatitra dorana sy fanatitra ho hanina izy ireo, dia tsy hankasitraka ireo Aho. Fa handringana azy ireo amin'ny sabatra, mosary, ary areti-mandringana Aho." 13 Dia hoy aho hoe: "Indrisy, ry Yaveh Tompo! Indro! Ireo mpaminany manao amin'ny olona hoe: 'Tsy hahita sabatra ianareo; tsy hisy mosary ho anareo, satria hanome fandriam-pahalemana marina ho anareo amin'ity toerana ity aho.'" 14 Dia hoy Yaveh tamiko: "Ireo mpaminany dia maminany amim-pitaka amin'ny anarako. Tsy naniraka azy ireo, na nanome baiko azy ireo na niresaka tamin'izy ireo Aho. Fa fahitana lainga sy zava-poana, faminaniana tsy marina avy amin'ny saim-pantatr'izy ireo no haminaniany aminareo." 15 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh: "Mahakasika ny mpaminany maminany amin'ny anarako nefa tsy nirahiko—ireo izay miteny fa tsy hisy sabatra na mosary amin'ity tany ity: Ireo mpaminany ireo dia haringana amin'ny sabatra sy mosary. 16 Ary ireo olona izay naminaniany dia hatsipy eny amin'ireo lalan'i Jerosalema nohon'ny mosary sy sabatra, fa tsy hisy na iray aza handevina azy ireo—izy ireo, ireo vadiny, ireo zanany lahy, na ireo zanany vavy—fa handraraka ny faharatsian'izy ireo eo amin'izy ireo Aho. 17 Lazao amin'izy ireo izao teny izao: 'Aoka ny ranomasoko handifotra ny masoko andro aman'alina. Aza avela hijanona izy ireo, fa hisy faharinganana lehibe ho an'ny zanaka vavy virjinin'ny oloko— ratra lehibe ary tsy azo sitranina. 18 Raha mivoaka ho any an-tsaha Aho, dia indreo ireo izay matin'ny sabatra! Raha tonga ao amina tanàna Aho, dia indreo ny aretina izay vokatry ny mosary. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia hirenireny eo amin'ny tany avokoa, ary tsy hahalala izy ireo.'" 19 Efa nandà tanteraka an'i Joda ve Ianao? Halanao ve i Ziona? Nahoana Ianao no hampahory anay rehefa tsy misy fanasitranana ho anay, nanantena fiadanana izahay, fa tsy nisy zava-banona—ary ho an'ny fotoana fanasitranana, nefa indro, horohoro ihany no misy. 20 Manaiky izahay, ry Yaveh, ireo fandikànay lalàna, ny helok'ireo razambenay, satria efa nanota taminao izahay. 21 Aza lavina izahay! Fa noho ny amin'ny anaranao, dia aza manala baraka ny seza fiandriananao be voninahitra. Tsarovy ary aza manafoana ny fanekenao taminay. 22 Moa ve misy amin'ireo sampin'ny firenena no mahavita mampandatsaka ranon'orana ny lanitra? Ry Yaveh Andriamanitray, moa ve tsy Ianao ilay tokana, no manao izao? Manantena anao izahay, satria Ianao no efa nanao izao rehetra izao.
Niresaka momban'ny fijangajangan'ny olona tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany Yaveh.
"ilay hafatra izay noresahin'Andriamanitra tamin'i" Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
"ho rava"
"Nivavaka mafy ho an'i Jerosalema izy ireo".
Nanohy nilaza tamin'ny olona ny momban'ilay hain-tany tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany Yaveh.
DH: "Ireo diera vavy dia mamela ireo zanany eny an-tsaha"
alikadia tena masiaka
Avy nilaza tamin'ny olona ny momban'ilay hain-tany tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany Yaveh.
"mba ahafahan'ny tsirairay mahita fa Ianao dia tena lehibe sy mihazona ny fampanantenanao."
Io dia anarana hafa niantsoina an'i Yaveh.
"ilay mpamonjy" na "ilay nanavotra azy"
Ny teny "tahaka" dia manambara hoe "mitovy amin'ny."
tsy afaka ny hatakatra na misaina tsara
Nivavaka sy nangataka tamin'i Yaveh i Jeremia mba tsy hamelana azy ireo irery.
"izy ireo dia tia manao izay tsy araka ny sitram-pon'Aandriamanitra"
"mahatadidy"
"manampy"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 14:1.
Niteny tamin'i Jeremia Yaveh mba tsy hivavaka ho an'ny vahoakan'i Joda.
Eto ny "sabatra" dia midika ady, ary "hahita" dia midika hoe "miaina" na "hijaly". DH: "tsy hiaina ady ianareo"
Ny miaina amim-pilaminana tsy misy fandrahonana avy amin'ireo fahavalo eto dia resahina toy ny zavatra izay afaka omen'ny olona iray ho an'olon-kafa.
DH: "maminany lainga"
Ny mpandika teny dia afaka manapa-kevitra ny ampiditra ny tanjona ity fihetsika ity. DH: "tsy naniraka azy ireo haminany amin'ny olon-kafa Aho"
Eto ny fahitana sy ny faminaniana dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka mihetsika amin'ny toerana iray mankany amin'ny iray hafa. DH: "fahitana lainga sy faminaniana fitaka tsy misy ilàna azy izay noforonin'ireo mpaminany ireo"
Ireo fomba fiteny ireo dia manambara hetsika izay resahina toy ny hoe zavatra.
Eto ny saina dia resahina toy ny toerana raha toa ka tokony fahafahana mieritreritra hevitra maro.
Avy niresaka momban'ireo zavatra izay naminanian'ireo mpaminany sandoka tamin'i Yaveh i Jeremia.
Eto ny "anarana" dia midika ho fahefana. DH: "milaza ny fahefako mba ahafahana manao izany faminaniana izany"
Eto ny "sabatra" dia midika ady. DH: "tsy hisy ady"
Ny toetra ara-moraly tahaka ny faharatsiam-panahy matetika amin'ny teny Hebreo dia resahina toy ny rano. Eto ihany koa ny faharatsiam-panahy dia midika ho fanasaziana mendrika ny olon-dratsy. DH: "hanasazy azy ireo amin'ny fomba mendrika hanasaziana azy ireo Aho".
tataka na tritra eo amin'ny hoditra izay tsy azo sitranina
mivezivezy tsy misy tanjona
Nanohy ny fivavakany tamin'i Yaveh i Jeremia.
1 Dia hoy Yaveh tamiko hoe: "Na dia Mosesy na Samoela aza no nijoro teo anoloako, dia tsy mbola hankasitraka ity vahoaka ity Aho. Roahy hiala eo anoloako izy ireo, mba handehanan'izy ireo. 2 Ary dia hilaza aminao izy ireo hoe: 'Aiza no tokony ho alehanay?' Dia tsy maintsy hiteny amin'izy ireo ianao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: Ireo voalahatra ho faty dia ho faty; ireo voalahatra ho an'ny sabatra dia ho faty amin-tsabatra. Ireo voalahatra ho an'ny mosary dia ho fatin'ny mosary; ary ireo voalahatra ho amin'ny fahababoana dia ho babo.' 3 Fa ho tendreko ho antoko efatra izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—ny sabatra dia hamono ny sasany, ireo amboa hitaritarika ny sasany, ireo voron'ny lanitra sy ireo bibidian'ny tany handevona ary hamotika ny sasany. 4 Ho ataoko zavatra mampivarahontsana an'ireo fanjakan'ny tany rehetra izy ireo, noho izay zavatra nataon'i Manase zanak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, tany Jerosalema. 5 Fa iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Iza no alahelo anao? Iza no hiverina hanontany momba ny toe-tena anao? 6 Nahafoy Ahy ianao—izany no fanambaran'i Yaveh—efa niala tamiko ianao. Koa hamely anao amin'ny tanako Aho ary hamotika anao. Reraky ny mamindra fo aminao Aho. 7 Ka dia ho kororohiko amin'ny fikororohana eo amin'ireo vavahadin'ny tany izy ireo. Hampahory azy ireo Aho. Hamotika ny vahoakako Aho satria tsy hiala amin'ny lalany izy ireo. 8 Ho ataoko maro noho ny fasika eny amoron-dranomasina ny mpitondratenan'izy ireo. Handefa ny mpandrava amin'ny atoandro amin'ireo renin-jatovolahy Aho. Handatsaka horohoro sy tahotra tampoka amin'izy ireo Aho. 9 Ny reny izay niteraka zaza fito dia hihaosa. Hiala aina izy. Ny masoandrony dia hilentika raha mbola andro iny. Ho afa-baraka sy menatra izy, fa homeko eo anatrehan'ireo fahavalony ireo izay sisa velona tamin'ny sabatra—izany no fanambaran'i Yaveh." 10 Loza ho ahy, ry reniko! Fa niteraka ahy ianao, izaho izay lehilahin'ny adihevitra sy fandresen-dahatra manerana ny tany rehetra. Tsy manana ho ampindramina aho, ary tsy nisy olona nampindrana ahy, nefa manozona ahy izy rehetra. 11 Hoy Yaveh: "Tsy hamonjy anao amin'ny tsara ve Aho? Ho ataoko mitalaho vonjy amin'ny fotoan'ny loza sy fahoriana tokoa ireo fahavalonao. 12 Mahapotika vy ve ny olona? Indrindra fa ny vy avy any avaratra izay miharo varahina? 13 Homeko ireo fahavalonao ho babo maimaim-poana ny harena sy zava-tsarobidinao. Ho ataoko izany nohon'ny fahotana rehetra nataonao tao anatin'ny faritaninao rehetra. 14 Dia ho ataoko manompo ireo fahavalonao any amin'ny tany izay tsy fantatrao ianao, fa hirehitra ny afo, handrehitra ny fahatezerako aminao." [1]15 Ry Yaveh, Ianao mahalala! Tsarovy aho ka vonjeo. Manaova valifaty ho ahy amin'ireo izay manenjika ahy. Mahari-pery Ianao, nefa aza avela haka ahy izy ireo; fantaro fa mijaly amin'ny fanalam-baraka noho Ianao aho. 16 Efa hita ireo teninao, ary notsakotsakoko ireo. Ireo teninao dia tonga hafaliana ho ahy ary fahafinaretan'ny foko, fa mitondra ny anaranao aho, ry Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro. 17 Tsy nipetraka teo amin'ny faribolan'ireo izay nankalaza na nifaly aho. Nipetraka irery aho nohon'ny tananao mahery, satria nofenoinao fahatezerana aho. 18 Nahoana no mitohy ny fanaintainako ary tsy misy fanafany ny ratrako, mandà ny ho sitranina? Ho tahaka ny rano mamitaka amiko ve Ianao, rano izay ritra? 19 Koa izao no lazain'i Yaveh: "Raha mibebaka ianao, ry Jeremia, dia ho averiko indray, ary hijoro eo anoloako ianao ka hanompo Ahy. Fa raha manasaraka ny zavatra adaladala amin'ireo zavatra sarobidy ianao, dia ho tahaka ny vavako ianao. Hiverina aminao ny vahoaka, nefa ianao dia tsy hiverina amin'izy ireo. 20 Ho ataoko toy ny manda varahina tsy azo idirana ho an'ity vahoaka ity ianao, ary hanangana ady aminao izy ireo. Nefa tsy handresy anao izy ireo, satria momba anao Aho mba hamonjy sy hanavotra anao—izany no fanambaran'i Yaveh— 21 fa hamonjy anao amin'ny tanan'ny ratsy fanahy Aho ary hanavotra anao amin'ny tanan'ny mpanao jadona."
Avy nivavaka tamin'i Yaveh i Jeremia.
"Roahy hiala eo anoloako izy ireo! Aoka izy ireo hiala alavitra!" Naveriny izany mba ho fanamafisana.
DH: "Ireo olona izay nolazain'Andriamanitra fa tsy maintsy ho faty" na "ireo azo antoka fa ho faty"
Nilaza tamin'izy ireo Yaveh fa misy sasany amin'izy ireo no hirahiny ho faty, misy ny ho fatin'ny sabatra, misy ny ho fatin'ny mosary, ary misy ho lasa babo.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
DH: "Ary ho ataoko zavatra mampitahotra ny fanjakana rehetra eto an-tany izy ireo noho ny nataon'i Manase zanak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, tany Jerosalema."
DH: "Hanendry vondrona efatra eo amin'izy ireo Aho"
Nilaza tamin'izy ireo Yaveh fa hitsinjara azy ireo ho vondrona efatra Izy mba ahafahany mamono azy ireo—ny sabatra, ireo alika, ireo vorona, ary ireo bibidia.
DH: "tsy misy hangoraka anao, ry vahoaka izay miaina ao Jerosalema. Tsy misy tokony hisaona ny faharavanao. Tsy misy olona tokony anontany ny antony naha lasa olona fadiranovana anao."
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy fa ireo olona dia tena nanadino an'i Yaveh tokoa.
Fitaovan'ny tantsaha izay lava ny tahony ary vy misy nify maranitra ny lohany, nampiasaina mba hanasarahana ny vary amin'ny ahi-dratsy.
"Hamono ny zanak'izy ireo Aho" na "ho avelako ho vonoin'ireo fahavalo ny zanak'izy ireo"
Nilaza tamin'izy ireo Yaveh fa tsy hisy olona hiraharaha azy ireo ary Izy dia hamotika ny olony satria tsy niala tamin'ny fomba ratsiny izy ireo.
vehivavy maty vady
DH: "maro tsy tambo isaina"
"Hampitranga ... amin'izy ireo"
Ny teny "afa-baraka" sy "menatra" dia iray ihany ny dikany ary manamafy ny hamafin'ny fahamenarana. DH: "ho menatra tanteraka izy."
amin'ity andininy ity, i Jeremia dia miresaka momban'ny fijaliany amin'i Yaveh, ary namaly azy Yaveh.
Mody miresaka amin'ny reniny i Jeremia ho fampisehoana fa tena malahelo izy.
Ny teny "adihevitra" sy "fandresen-dahatra" dia mitovy ny dikany. Ireo no miaraka dia manamafy ny fifamalian'i Jeremia. DH: "lehilahy izay hifamalian'ny olona foana."
mampindram-bola amin'ny olona
Ny valin'io fanontaniana dia "eny". DH: "Hanavotra anareo amin'ny tsara tokoa Aho!"
Ireo no fahavalon'i Jeremia izay tsy nanaiky ny faminaniany.
Eto ny teny " loza" sy "fahoriana" dia mitovy ny dikany. Ireo no manamafy ny habetsaka na hamafin'ilay loza. DH: "amin'ny fotoan'ny fampahoriana lehibe."
Ny valin'io dia "tsia". Ny vy dia misolo-toerana ny fitsarana hentitra an'Andriamanitra. DH: "Ny fitsarako dia tsy azo ivalozana, tahaka ny vy izay tsy afaka potehina"
Ilay fanontaniana faharoa dia manamafy izay voalazan'ilay voalohany. DH: "na izany aza, ny fitsarako dia tahaka ny vy mahery"
Amin'ity andininy ity Yaveh dia miresaka ny firenen'Israely toy ny hoe olona.
Ny teny "harena" sy "zava-tsarobidi" dia mitovy ny dikany ary manondro ireo zavatra izay heverin'ny olona ho manan-danja
ireo zavatra izay nangalarina any amin'ny tanàna iray aorian'ny nandresena izany
"any amin'ny tany izay vahiny aminao"
Ny fahatezeran'Andriamanitra dia resahina toy ny afo mandrava. DH: "hamotika anao Ahosatria tena tezitra mafy aminao.
Miresaka amin'i Yaveh i Jeremia.
DH: "tadidio aho" na "saino ny momba ahy"
"ireo izay mitady hanao ratsy ahy"
DH: "Aza mba mahari-pery amin'izy ireo re ary aza avela ho faty izao aho."
DH: "Efa nandre ny hafatrao aho."
"Azoko ny hafatrao"
"ny fahafantaran'ny olona ahy dia Anao aho"
DH: "tsy nandany fotoana niaraka tamin'i"
DH: "Mitohy ny fanaintainako ary ny ratrako dia tsy misy fanafany. Tsy mety sitrana aho."
DH: "Ny fampanantenanao tamiko ve dia ho tahaka ny loharano izay andehanako mba hisotroina rano nefa efa ritra izany?
Jeremia dia nampitahaina amin'ny molotr'i Yaveh satria izy dia nampiasaina hitondra ny hafatr'i Yaveh. DH: "hiteny ho Ahy ianao"
Ho ataoko manda varahina tsy azo idirana amin'ity vahoaka ity ianao
DH: "Hiady aminao izy ireo, saingy tsy handresy anao."
Ireo fehezanteny ireo dia mitovy ny dikany ary nampiasaina eto mba hanamafisana ny fiarovana entin'Andriamanitra.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Mpanapaka izay mangataka fankatoavana manontolo ary tsy minamana amin'ny olona ambanin'ny fahefany.
1 Ary tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Aza maka vady ho an'ny tenanao, ary aza miteraka lahy na vavy amin'ny tenanao amin'ity toerana ity. 3 Fa i Yaveh niteny izany tamin'ireo zanaka lahy sy zanaka vavy izay teraka teto amin'ity toerana ity, tamin'ireo reny izay nitondra azy ireo, sy tamin'ireo ray izay nahatonga azy ireo ho teraka eto ambonin'ity tany ity, 4 'Ho faty amin'ny aretim-pahafatesana izy ireo. Tsy hitomaniana izy ireo na ho alevina. Ho lasa toy ny zezika amin'ny tany izy ireo. Fa amin'ny alalan'ny sabatra sy ny mosary no hiafaran'izy ireo, ary ny fatin'izy ireo dia ho lasa sakafo ho an'ireo voron'ny lanitra sy ireo bibin'ny tany.' 5 Fa tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: "Aza miditra amin'ny trano izay misy fitomaniana. Aza mandeha mba hitomany na ampiseho fangorahana ho azy ireo, fa efa nesoriko teo amin'izany vahoaka izany ny fiadanako, ny fitiavako tsy miova sy ny famindram-poko—izany no fanambaran'i Yaveh. 6 Ny lehibe sy ny kely dia samy ho faty eto amin'ity tany ity. Tsy ho alevina izy ireo, ary tsy hisy na iray aza hitomany azy ireo na hanapaka ny tenan'izy ireo na hanaratra ny lohany ho azy ireo. 7 Aoka tsy hisy na iza na iza hizara sakafo amin'ny fisaonana mba hampiononana azy ireo noho ireo fahafatesana, ary aoka tsy hisy hanome kapoaka fampiononana ho an'ny rainy na ho an'ny reniny mba hampiononana azy ireo. 8 Aoka ianao tsy ho any amin'ny trano fanasana mba hipetraka hiaraka amin'izy ireo mba hihinana na hisotro.' 9 Fa Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, nanao hoe: 'Indro, eto anatrehan'ny masonareo, andronareo ary amin'ity toerana ity, hampitsahatra ny feon'ny fifaliana sy ny feon'ny firavoravoana aho, ny feon'ny mpampiakatra sy ny feon'ny ampakarina.' 10 Ary ianao hitatitra ireo teny rehetra ireo amin'ireto vahoaka ireto amin'izany andro izany, ary hilaza aminao izy ireo hoe: 'Nahoana Yaveh no nandidy ity loza lehibe rehetra hanoherana antsika ity? Inona no helokay sy fahotanay izay nanotanay tamin'i Yaveh Andriamanitsika? 11 Koa lazao izy ireo hoe: 'Satria nandao ahy ireo razambenareo—izany no fanambaran'i Yaveh—ary nankany amin'ny andriamani-kafa izy ireo ary nanompo sy niankohoka tamin'izy ireo. Dia nandao Ahy izy ireo ary tsy nitàna ny didiko. 12 Saingy ny tenanareo dia efa nitondra faharatsiana maro noho ireo razambenareo, ka indro, samy nandeha tamin'ny hamafisan-dohany ny olona tsirairay araka ny fo ratsiny; tsy misy na iray aza mihaino Ahy. 13 Koa ho esoriko eto amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay tsy mbola fantatrareo na ireo razambenareo, ary hanompo ireo andriamani-kafa andro aman'alina any ianareo, fa tsy hanome fankasitrahana ho anareo Aho.' 14 Ka noho izany, indro, tonga ary ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa tsy ho lazaina intsony hoe: 15 "Raha mbola velona koa i Yaveh, ilay nitondra ny vahoakan'Israely avy any amin'ny tanin'i Egypta.' Fa hoe: 'Raha mbola velona koa i Yaveh, ilay nitondra ireo vahoakan'Israely avy any amin'ny tany avaratra sy avy any amin'ireo tany izay efa nampielezana azy ireo.' Fa ho averiko any amin'ny tany izay nomeko ny razambeny izy ireo. 16 Indro! Handefa mpanarato maro aho—izao no fanambaran'i Yaveh—ka hanarato ireo olona izy ireo. Aorian'izany dia handefa mpihaza maro aho mba hihaza ho azy ireo eny amin'ny tendrombohitra sy havoana rehetra, ary eny an-tsefatsefaky ny haram-bato izy ireo. 17 Fa ny masoko dia ho eny amin'ny lalan'izy ireo rehetra; tsy afaka ny hiafina eo anoloako izy ireo. Tsy afaka ny hiafina eo anoloan'ny masoko ny helok'izy ireo. 18 Hanonotra avo roa heny ny heloka sy ny otan'izy ireo ho an'ny fandotoan'izy ireo ny taniko tamin'ny sampy vetavetan'izy ireo aloha Aho, sy ny famenoan'izy ireo sampy maharikoriko ny lovako." 19 Yaveh o, Ianao no fiarovako mafy sy fialofako, toerana azoko antoka amin'ny androm-pahoriana. Ho any Aminao ireo firenena avy any amin'ny faran'ny tany ary hilaza hoe: 'nandova fitaka tokoa ny razambenay. Foana izy ireo; ary tsy ahitana tombontsoa ao amin'izy ireo. 20 Manao andriamanitra ho an'ny tenan'izy ireo ve ny olona? Kanefa tsy andriamanitra izy ireo.' 21 Noho izany indro! Ho ampahafantariko azy ireo amin'izany fotoana izany, ho ataoko fantatr'izy ireo ny tanako sy ny heriko, ka ho fantatr'izy ireo fa Yaveh no anarako.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Ireo zanaka lahy sy zanaka vavy teraka tamin'ilay tany dia nampitahaina amin'ny zezika satria izy ireo dia tsy ho alevina aorian'ny fahafatesan'izy ireo.
Izany dia fomba malefaka hilazana fa ho faty izy ireo.
Ny teny "sabatra" dia manondro ny tafika fahavalo.
Nanangona ireo fomba maro samihafa nitahiana ny vahoakan'Israely Yaveh izay midika fa tsy hitahy ny vahoakan'Israely intsony Izy.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Io dia manondro ny karazan'olona rehetra ary mampiasa ny habe mba hilazana ny maha manan-danja azy ireo. Na manan-danja na ny tsy dia manan-danja.
Ireo fanambarana roa ireo dia mitovy ny heviny. Ilay faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany. DH: "tsy hisy hisaona azy ireo na amin'ny fomba ahoana na ahoana."
Ireo dia fomba fataon'ny olona mba ampisehoana fa tena malahelo be izy ireo.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Fomba ny maka sakafo na divay amin'ny olona izay maty havana akaiky. Nesorin'i Yaveh teo amin'ireo olona ny fankaherezana noho ny otan'izy ireo. DH: "Aza mankahery olona maty havana"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 7:3.
DH: "Henoy" na "henoy ny zavatra izay ho lazaiko aminareo"
Ny teny "nareo" eto dia manondro ireo vahoakan'Israely. DH: "eo anoloanareo"
DH: "mandritra ny androm-piainanareo"
Io dia manondro ireo olona mankalaza fanambadiana.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ny teny " niankohoka" dia mitovy hevitra amin'ny "midera" ary mamaritra ny fihetsika izay ataon'ny olona mandritran'ny fiderana
Ny teny "indro" eto dia mitondra fanamafisana izay ho avy manaraka DH: "tokoa"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 11:6.
"nanao izay nasaiko nataony"
"hanery anareo andao io tany io"
DH: "foana" na "mandavan-taona"
Ny teny "indro" eto dia manamafy ny fehezanteny izay manaraka azy. DH: "tokoa"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
DH: "rehefa tsy hiteny intsony ny olona hoe"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 12:16.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Yaveh dia mampitaha ny olona izay naka babo ireo Israelita amin'ireo olona izay manan-traikefa amin'ny famandriana haza.
DH: "manara-maso ny zavatra rehetra ataon'izy ireo Aho"
Ny teny "izy ireo" eto dia manondro na ireo vahoaka na ny fihetsik'izy ireo. DH: "izy ireo dia tsy afaka ny hanafina ny fanaon'izy ireo Amiko" na "hitako daholo izay ataon'izy ireo"
DH: "Hitako daholo ny otan'izy ireo"
Io fehezanteny io dia mamaritra ny "heloka sy ota" izay nataon'ireo olona.
Io dia manondro ny tanin'Israely.
Eto i Jeremia dia manomboka miresaka amin'i Yaveh.
Jeremia dia miresaka an'i Yaveh toy ny toerana izay tsy ahafahan'ireo fahavalo manafika azy. Namerina izany intelo izy.
DH: "na aiza na aiza eto ambonin'ny tany"
Eto ny teny "fitaka" dia manondro ireo andriamanitra sandoka.
Eto ny teny "izy ireo" dia manondro ireo andriamani-kafa izay nampianarin'ny razamben'izy ireo taloha ho hinoana.
Nametraka io fanontaniana io i Jeremia mba hanamafisana fa ny olona dia tsy tokony hanao andriamanitra ho an'ny tenan'izy ireo. DH: "Tsy afaka manao andriamanitra ho an'ny tenan'izy ireo"
Eto Yaveh dia manomboka miteny. Ny teny "indro" eto dia manamafy ny fehezanteny izay manaraka azy. DH: "Noho izany tokoa,"
Eto ny teny "azy ireo" dia manondro ireo olona avy amin'ireo firenena. Namerina io teny io Yaveh mba ho fanamafisana.
Eto ny teny "tanana" dia manondro ny hery sy fahefana. Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy ny haben'ny herin'i Yaveh. DH: "ny heriko lehibe."
Eto ny "anarana" dia manondro an'i Yaveh tenany. DH : "ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh, ilay tena Andriamanitra"
1 "Voasoratra tamin'ny penina vy manana tendro diamondra ny fahotan'i Joda. Voasokitra eo amin'ny takelaky ny fon'izy ireo sy eo amin'ny tandrok'ireo alitaranao izany. 2 Na dia ny zanak'izy ireo aza dia mahatsiaro ireo alitarany sy ireo baon'Aserahany izay teo akaikin'ny hazo misandrahaka sy tambonin'ny havoana avo. 3 Teo an-tendrombohitro tao amin'ny tanàna malalaka ny baon'Aseraha. Ny harenanareo sy ireo zava-tsarobidinareo rehetra dia homeko toy ny babo, miaraka amin'ny fitoerana avonareo, noho ireo fahotana nataonareo teo amin'ny faritaninareo rehetra. 4 Ho very ny lova izay nomeko anareo. Ho ataoko andevon'ireo fahavalonareo ao amin'ny tany izay tsy fantatrareo ianareo, fa ianareo dia efa nandrehitra afo amin'ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay." 5 Hoy i Yaveh: "Voaozona ny olona izay mahatoky olombelona; manao ny nofony ho heriny izy nefa mampivily ny fony amin'i Yaveh. 6 Fa ho tahaka ny kirihitra kely ao Araba izy ary tsy hahita zava-tsoa ho avy. Hijanona any amin'ny toeram-batolampy any an-efitra izy, tany karakaina tsy misy mponina. 7 Nefa voatahy ny olona izay mahatoky an'i Yaveh, fa Yaveh no anton'ny fahatokiany. 8 Fa ho tahaka ny hazo nambolena teny amoron-drano izy, hisandrahaka manamorona ny riaka ireo fakany. Tsy hatahotra ny hafanana izy raha tonga izany, fa ireo raviny dia maitso mandrakariva. Tsy manahy amin'ny taonan'ny hain-tany izy, ary tsy hitsahatra hamoa izy. 9 Mamitaka mihoatra ny zavatra rehetra ny fo. Marary izany; iza no afaka ahatakatra izany? 10 Izaho no Yaveh, ilay mizaha ny ao an-tsaina, ilay mitsapa ireo fo. Manome araky ny fomban'ny olona tsirairay Aho, araky ny vokatr'ireo asany. 11 Mikotrika ny atody izay tsy nalatsany ny tsipohy. Mety ho tonga mpanankarena tsy ara-drariny ny olona, nefa rehefa misasaka ny andro iainany, dia handao azy ireo mpanakarena ireo, ary any am-parany dia ho lasa adala izy." 12 "Ny sezan'ny tempolinay dia seza fiandrianana be voninahitra, nankarina hatrany am-piandohana. 13 Yaveh no fanantenan'Israely. Ho menatra ireo rehetra izay mandao Anao. Ireo ao amin'ny tany izay niala taminao dia ho soratana amin'ny vovoka. Satria mandao an'i Yaveh Izy ireo, ilay loharanon'ny rano velona. 14 Sitrano aho, ry Yaveh, dia ho sitrana aho! Vonjeo aho, dia ho voavonjy aho. Fa Ianao no hira fiderako. 15 Indro, hoy izy ireo tamiko: "Aiza ny tenin'Yaveh? Avelao izany ho avy!' 16 Raha ny amiko, tsy niala tamin'ny maha mpiandry ondry manaraka Anao aho, tsy naniry ny andron'ny loza aho. Fantatrao ireo fanambarana avy amin'ny molotro. Natao teo amin'ny fanatrehahanao ireny. 17 Aza mampihorohoro ahy. Ianao no fialofako amin'ny andron'ny loza. Aoka ho menatra anie ireo mpanenjika ahy, nefa aza avela ho menatra aho. 18 Aoka izy ireo hatahotra, fa aza avela hatahotra aho. Alefaso amin'izy ireo ny andron'ny loza ary torotoroy amin'ny anjara loza avo roa heny izy ireo." 19 Izao no nolazain'i Yaveh tamiko: "Mandehana ary mijoroa eo amin'ny vavahadin'ny vahoaka izay hidiran'ireo mpanjakan'i Joda sy ivoahan'izy ireo, ary avy eo amin'ny vavahady hafa an'i Jerosalema rehetra. 20 Lazao izy ireo hoe: 'Henoy ny tenin'i Yaveh, ry mpanjakan'i Joda sy ianareo vahoakan'i Joda rehetra, ary ny mponin'i Jerosalema izay mandalo amin'ireo vavahady ireo. 21 Izao no lazain'i Yaveh: "Tandremo ny ainareo aza milanja enta-mavesatra amin'ny Andro Sabata ka hitondra izany mankeo amin'ireo vavahadin'i Jerosalema. Aza mitondra entana mivoaka ny tranonareo amin'ny Andro Sabata. 22 Aza manao asa na inona na inona, fa atokano ny Andro Sabata, izay tahaka ny nandidiako ireo razanao hatao.'" 23 Tsy nihaino na nitandrina izy ireo, fa nanamafy ny hatony mba tsy handrenesany ahy na hanaiky famaizana. 24 Hiseho izao raha mihaino ahy tokoa ianareo—izao no fanambaran'i Yaveh—ary aza mitondra entana mankeo amin'ireo vavahadin'ny tanàna amin'ny Andro Sabata fa kosa atokano ho an'i Yaveh ny Andro Sabata ary aza manao asa na inona na inona amin'izany, 25 ary ireo mpanjaka, andriana, sy ireo izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida dia hankeo amin'ireo vavahadin'ity tanàna ity amin'ny kalesy miaraka amin'ny soavaly, izy ireo sy ireo mpitarika azy ireo, ny lehilahin'i Joda sy ny mponin'i Jerosalema, ary ity tanàna ity dia honenana mandrakizay. 26 Izy ireo dia ho avy any amin'ny tanànan'i Joda sy avy amin'ny manodidina an'i Jerosalema, avy amin'ny tanin'i Benjamina sy ireo faritra iva, avy any amin'ireo tendrombohitra, ary avy any Negeva, hitondra ireo fanatitra dorana sy ireo sorona, fanatitra voa sy ditin-kazo manitra, fanati-pisaorana ao an-tranon'i Yaveh. 27 Nefa raha tsy mihaino Ahy ianareo—ny amin'ny fanokanana ny Andro Sabata sy ny tsy fitondrana enta-mavesatra ary ny tsy fidirana amin'ireo vavahadin'i Jerosalema amin'ny Andro Sabata—dia handrehetako afo eo amin'ireo vavahadiny, ka handevona ny mandan'i Jerosalema izany, ary tsy ho vonoina izany."
Ny tsy fitsaharan'ny olona mamerina ny ota fanaony dia toy ny hoe voarakitra an-tsoratra ao am-pon'izy ireo sy ny alitaran'ny sampin'izy ireo ireo ota ireo.
DH: "Ny vahoakan'i Joda dia efa nanoratra ny fahotan'izy ireo"
DH: "nataon'izy ireo sokitra izany"
Ireo fahazarana manota lalim-pakan'ireo olona dia resahina toy hoe natao sokitra tao am-po sy sain'izy ireo ny fahotan'izy ireo. DH: "voarakitra ao anatin'izy ireo"
Ny teny "tandroka" dia manondro ireo zoron'ilay alitara.
Misy amin'ireo dikan-teny moderina no manampy ilay fehezanteny voalohany amin'ilay andininy manaraka amin'ity fehezanteny ity, manao hoe "eny amin'ny havoana avo sy ireo tendrombohitra eny amin'ny tany malalaka."
Ny teny "harena" sy "zava-tsarobidy" dia mitovy ny heviny ary manondro ny zava-drehetra izay heverina fa manan-danja.
Io dia manondro ireo zavatra izay nangalarina tamin'ny olona na nalaina an-keriny.
DH: "na taiza na taiza dia efa nanotanareo"
Io dia manondro ny tanin'Israely.
Yaveh dia mampitahy ny fitsarany amin'ny afo izay mandoro. DH: "tamin'ny nampatezeranareo Ahy, izany dia toy ny hoe nandrehitra afo izay handoro anareo ianareo"
DH: "Hanozona ny olona izay mahatoky olombelona Aho"
Eto ny teny "nofo" dia manondro ireo olona. DH: "Izy dia miantehitra amin'ny herin'ny olombelona fotsiny"
Eto ny teny "fo" dia manondro ireo fisainana sy fihetsem-po. DH: "nampivily ny fanoloran-tenany tamin'i Yaveh"
Ny olona izay mahatoky olombelona fa tsy Yaveh dia ho tahaka ny hazo izay sahirana vao maniry eny amin'ny tany tsy mamokatra.
DH: "ho lasa tsy misy ilàna azy toy ny kirihitra eny an'efitra"
Ny olona izay mahatoky an'i Yaveh dia hahomby foana, tahaka ny hazo rehefa hambolena eny amoron'ny ony. Izay tsy malazo rehefa tsy misy ny orana.
"Tsy hihontsona amin'ny toetr'andro ho avy izy"
"tsy hitaintaina izy"
Eto ny "fo" dia manondro ny saina sy eritreritrin'ny olona. DH: "Ny sain'ny olombelona dia mamitaka kokoa"
Nametraka io fanontaniana io ny mpitantara mba hanamafisana fa tsy misy mahatakatra ny fon'olombelona. DH: "tsy misy afaka mahatakatra izany."
Ireo fihetsem-po dia resahina toy ny ivon'ny fo. DH: "izay mitsapa ny fanirian'ny olona"
Eto ny fitondran-tenan'ny olona dia resahina toy ny lalana falehany mahazatra.
Eto ny vokatrin'ny fitondran-tenan'ny olona iray dia resahina toy ny voankazo maniry eny amin'ny hazo. DH: "izay vitany"
Io fampitoviana ny vorona izay mikotrika ny atodin'ny vorona hafa io dia entina hanazavana ny mpanankarena izay mahazo vola amin'ny fandrobana ny hafa.
DH: "rehefa avy niaina ny atsasakin'ny andro iainany izy"
Ireo mpanakarrena dia resahina toy ireo mpanompo izay nandao ny tompon'izy ireo. DH: "ho very ny harenany"
"amin'ny andro hiainany farany"
Jeremia dia mampitahy ny tempoly amin'ny "seza fiandrianana be voninahitra" satria ao Yaveh no mitoetra sy manapaka.
Io dia manondro an'i ZIona ao Jerosalema.
Ny teny "Anao" eto dia manondro an'i Yaveh.
DH: "Handringana ireo izay niala taminao teo amin'io tany io"
Jeremia dia nampitaha an'Yaveh amin'ny rano velona. DH: "loharanon'ny rano velona, rano mikoriana" na "loharanon'ny fiainana rehehtra"
DH: "Ianao dia tena hanasitrana ahy ... Ianao dia tena hanavotra Ahy"
"ilay tokana izay deraiko"
DH: "Jereo" na "henoy" na "henoy ny zavatra izay ho lazaiko aminareo"
Eto ny teny "tamiko" dia manondro an'i Jeremia ary ny "izy ireo" an'ireo fahavalony.
Nametraka io fanontaniana io ny olona mba hanalana baraka an'i Jeremia satria ireo zavatra nolazainy dia mbola tsy nitranga. DH: "Aiza ireo zavatra nolazain'i Yaveh taminao fa hitranga?" na "ireo zavatra nolazain'i Yaveh taminao dia mbola tsy nitranga."
DH: "aoka izany hitranga"
Niantso an'i Jeremia hitarika ireo olona Yaveh, tahaka ny mpiandry ondry mitarika ny ondriny.
"tsy naniry ny ... aho"
DH: "ny fanambarana izay nolazaiko" na "ny zavatra izay nambarako"
DH: "nataoko ... izy ireo"
DH: "amin'ny fotoanan'ny loza"
DH: "Ento eo amin'ny mpanenjika ahy ny henatra, fa aza mitondra henatra eo amiko"
Io fehezanteny io dia mitovy ny heviny ary ilay teo aloha dia nampiasaina mba ho fanamafisana. DH: "Ataovy tena raiki-tahotra izy ireo, nefa aza ampitahorina aho"
DH: "torotoroy amin'ny famotehana tanteraka izy ireo" na "ravao avo roa eny na mihoatra izy ireo"
DH: "arovy ny ainareo" na "raha manan-danja aminao ny ainao"
Ireo teny roa ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy fa ireo olona dia nandà ny hihaino. DH: "nandà ny hihaino" na "nandà ny hankato."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 13:12.
DH: "hipetraka eo amin'io tanàna io mandrakizay ny olona"
"handrehitra afo eo amin'ny vavahadin'i Jerosalema Aho"
DH: "izay tsy azon'ny olona vonoina"
1 Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Mitsangana ary mivoaha tao an-tranon'ny mpanefy tanimanga, fa any no hampandrenesiko anao ny Teniko." 3 Ka nankany an-tranon'ny mpanefy tanimanga aho, ary indro! Ny mpanefy tanimanga dia niasa teo amin'ny kodiarany. 4 Fa simba teny an-tanany ny vilany tanimanga izay novolavolainy, ka niova hevitra izy ary nanao zavatra hafa izay toa tsara teo imasony. 5 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 6 "Tsy afaka manao tahaka ny ataon'io mpanefy io aminareo ve Aho, ry ankohonan'Israely? —izao no fanambaran'i Yaveh. Indro! Tahaka ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy—dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry ankohonan'Israely. 7 Amin'ny fotoana iray, dia mety hanonona zavatra ho an'ny firenena na fanjakana iray Aho, mba hamoahako, handrodanako, na hamotehako izany. 8 Fa raha miala amin'ny haratsiany ny firenena izay nanaovako izany fanambarana izany, dia hihazona ny loza izay nomaniko ho entiko eo amin'izany Aho. 9 Amin'ny fotoana hafa, dia mety hanambara zavatra momba ny firenena na fanjakana iray Aho, fa hanangana na hamboly izany Aho. 10 Fa raha manao ratsy eo imasoko izy amin'ny tsy fihainoana ny feoko, dia hajanoko ny soa izay nolaizaiko fa ho ataoko amin'izy ireo. 11 Ary ankehitriny, mitenena amin'ny olon'i Joda sy amin'ny mponin'i Jerosalema ka lazao hoe:' Izao no lazain'i Yaveh: Indro, hamolavola loza ho anareo Aho. Efa mamorona tetika hanoherana anareo Aho. Mibebaha, amin'ny fomba ratsiny ny olona tsirairay avy, dia hitondra soa ho anareo ireo fombanareo sy ireo fanaonareo.' 12 Fa hiteny izy ireo hoe: 'Tsy misy ilàna azy izany. Hanao araka izay fikasanay manokana izahay. Ny tsirairay avy aminay dia hanao izay fanirian-dratsin'ny fony.' 13 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh:' Anontanio ireo firenena, iza no efa nandre karazan-javatra tahak'izao? Efa nanao asa mahatsiravina Israely virijiny. 14 Moa ve ny oram-panala any Libanona efa nandao ny havoanam-bato eo anilany? Moa ve ny rian-tendrombohitra avy lavitra efa rava, ireo riana mamanala? 15 Efa nanadino ahy ny vahoakako. Nanao fanatitra ho an'ny sampy tsy misy dikany izy ireo ary natao ho tafintohina teny amin'ireo lalany izy ireo; nandao ireo lalany fahiny izy ireo ho amin'ireo lalana vitsivitsy kokoa. 16 Ho tonga horohoro ny tanin'izy ireo, ho anton'ny siotsioka mandrakizay. Izay rehetra mandalo eo aminy dia hangovitra sy hanifikifi-doha. Hanaparitaka azy ireo eo anoloan'ny fahavalony tahaka ny rivotra atsinana Aho. 17 Hampiseho ny lamosiko azy ireo Aho, fa tsy ny tavako, amin'ny andron'ny lozan'izy ireo.'" 18 Ka hoy ny vahoaka tamin'i Jeremia: "Manatona, aoka isika hanao tetika hanoherana an'i Jeremia, fa tsy ho levona ny lalàna avy amin'ireo mpisorona, na ny toro-hevitra avy amin'ireo olon-kendry, na ireo teny avy amin'ireo mpaminany. Manatona, aoka isika hanafika azy amin'ireo tenintsika ary tsy hitandrina izay ambarany intsony." 19 Mihainoa ahy, ry Yaveh, ary henoy ny feon'ireo fahavaloko. 20 Moa ve ny loza avy amin'izy ireo tokoa no valisoako tamin'ny hatsaram-panahiko tamin'izy ireo? Fa nihady lavaka ho ahy izy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anoloanao mba hiresaka ny fifanampian'izy ireo, mba hampiala ny fahatezeranao amin'izy ireo. 21 Noho izany dia ataovy tonga amin'ireo zanany ny mosary, ary atolory eo an-tanan'ireo izay mampiasa sabatra izy ireo. Koa avelao ny vehivavin'izy ireo hidonam-pahoriana sy ho mpitondratena, ary ny lehilahiny ho voavono, ary ireo tovolahiny ho fatin'ny sabatra sabatra any an'ady. 22 Aoka ho re avy ao amin'ny tranon'izy ireo ny hiakiam-pahoriana, tahaka ny hitondranao mpanafika hanohitra azy ireo tampoka. Fa efa nihady lavaka hisamborana ahy izy ireo ary nanafina fandrika ho an'ny tongotro. 23 Fa Ianao, ry Yaveh, Ianao mahalala ny drafitra rehetran'izy ireo amiko mba hamonoany ahy. Aza mamela ireo heloka sy fahotan'izy ireo. Aza mamafa ny fahotan'izy ireo hiala Aminao. Fa kosa, aoka izy ireo ho rava eo anatrehanao. Mihetseha hanohitra azy ireo amin'ny fotoanan'ny fahatezeranao.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
ny mpanefy tanimanga dia olona izay manamboatra vilany sy zavatra hafa fampiasa andavanandro, zavatra kely vita amin'ny tanimanga. DH: "trano fiasan'ilay mpanefy tanimanga"
Ny teny "indro" dia manaitra antsika amin'ny fisian'ny olona vaovao amin'ny tantara. Ny fiteninao dia mety manana fomba handikana izany.
Ny kodiaran'ny mpanefy tanimanga dia latabatra kely izay miodina, ny mpanefy tanimanga dia mampiasa an'izy io hanamboarana vilany. DH: "eo amin'ny latabany" na "fanamboarana vilany"
"nampagalany endriny"
DH: "potsitra teny an-tanany"
DH: "koa nisafidy zavatra hafa izy"
Ny maso eto dia manondro ilay mpanefy tanimanga. DH: "tsara taminy"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Eto amin'ity fanontaniana ity Yaveh dia manamafy ny fahefany manao araka izay mahafinaritra Azy amin'Israely. DH: "Mahazo manao fihetsika toy izanyaminao Aho ry zanak'Israely, toy ny fihetsikin'ny mpanefy manoloana ny tanimanga"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ny teny "indro" eto dia manamafy izay ho ambara manaraka izany. DH: "tokoa!"
Io fehezanteny io dia mamerina izay tsy mazava tao amin'ilay fehezanteny teo aloha amin'ny endrika fampitahana.
DH: "mety hilaza zavatra Aho" na "ohatra, manambara zavatra"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy ny halehiben'ny ho fitsaran'Andriamanitra.
DH: "tsy hitondra"
Ireo matoanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy ny fitahin'Andriamanitra.
Io andianteny io dia mampitaha ny fitahin'Andriamanitra ami'ny mamboly hazo eo an-jaridaina.
Ny mason'i Yaveh dia manondro ny tenan'i Yaveh. DH: "ireo zavatra izay heveriko ho ratsy" na "ratsy araka ny hevitro"
DH: "tsy mankato ireo didiko" na "tsy nihaino izay nolazaiko"
DH: "Jereo" na "Henoy" na "henoy ny zavatra izay ho lazaiko aminareo"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy mba hanamafisana ny maha zava-doza ity fanambarana ity.
Yaveh dia manondro ny loza ho toy ny zavatra volavolainy toy ny olona mamolavola tanimanga. DH: "endrika" na "mamorona"
"mieritreritra" na "mikasa" na "misaina"
DH: "ny fomba fiainana ratsiny"
Ny teny "ireo fomba" sy "ireo fanao" dia mitovy ny heviny ary manamafy fa mila miova ny fomba fiainan'izy ireo manontolo izy ireo.
Ny teny "izy ireo" dia manondro ireo mponina ao Joda sy Jerosalema.
DH: "tsy manam-pinoana izahay"
DH: "araka ny fanirian-dratsiny"
DH: "Tsy misy olona eto ambonin'ny tany mbola nandre zavatra toy izany."
Mahazatra ny manondro ireo firenena toy ny vehivavy. Na izany aza, ny "virijiny" dia hatonga ny olona hieritreritra vehivavy tanora iray izay tsy mbola nanambady ka tsy mbola afaka ny ho tokam-po amin'ny vadiny. Noho izany, ny fiantsoana an'Israely ho virijiny dia fomba fiteny maneso. DH: "Ry Israely, izay mody nisandoka nanolo-tena ho an'Andriamanitra"
DH: "ny oram-panala any Libanona dia mazava fa tsy handao ny havoanam-bato eo anilany.
Io fanontaniana io dia miaro fanambarana. DH: "tsy misy afaka mamotika ireo rian-tendrombohitra avy lavitra ireo."
Eto ny teny "izy ireo" dia manondro "ny vahoakako."
DH: "ho lasa zavatra izay hampihorohoro ny olona"
Io dia feo izay mampiseho tsy fankatoavana.
Eto ny teny "aminy" dia manondro ny "tanin'izy ireo."
Yaveh dia mampitaha ny tenany amin'ny rivotra avy any atsinanana izay manaparitaka vovoka sy fako.
Eto ny teny "azy ireo" dia manondro "ny vahoakako."
Io fihetsika io dia mampiseho fa handà tsy hanampy ny vahoakany Andriamanitra.
"andao isika hanomana teti-dratsy amin'i Jeremia"
DH : "ireo mpisorona dia hanana lalàna foana, ireo olon-kendry dia hanome toro-hevitra foana, ary ireo mpaminany dia hiteny foana"
"hiteny zavatra izay handratra azy"
Manomboka miresaka amin'i Yaveh i Jeremia eto.
Nametraka io fanontaniana io i Jeremia mba hanamafisana fa ny asa-soa dia sy tokony ho valina amin'ny zavatra ratsy. DH: Tsy tokony ho valin'ny soa nataoko tamin'izy ireo ny loza avy amin'izy ireo. "
DH: "nihady lavaka hamandrihana sy hamonoana ahy"
DH: "mba tsy hanasazianao azy ireo ao anatin'ny fahatezeranao"
ny "sabatra" dia midika ady. DH: "hamono azy ireo any an'ady
"avelao ho faty ny vady aman-janakin'ny vehivavin'izy ireo"
DH: "Ireo olona dia namonon ny lehilahin'izy ireo, sy ireo tovolahin'izy ireo tamin'ny sabatra"
DH: "mandre hiakiam-pahoriana ny olona"
Niezaka ny nisambotra azy toy fisamboran'ny olona bibidia ireo fahavalon'i Jeremia. Namerina io indroa i Jeremia mba ho fanamafisana.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 18:18.
io fehezanteny io dia mitovy amin'ilay fehezantrny teo aloha.
DH: "aoka ireo olona hanipy azy ireo eo amin'ny fanatrehan'izy ireo"
1 Izao no nolazain'i Yaveh: "Mandehana ary mividiana tavoara tanimangan'ny mpanefy tanimanga raha miaraka amin'ny ireo loholon'ireo vahoaka sy ireo mpisorona ianao. 2 Dia mivoaha any amin'ny lohasahan'i Ben-Hinoma any amin'ny fidiran'ny Vavahadin'ny Vilany Vaky, ary ambarao ao ny teny izay ho lazaiko aminao. 3 Lazao hoe: 'Henoy ny tenin'i Yaveh, ry mpanjakan'i Joda sy mponin'i Jerosalema! Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitrin'ny Israely, milaza izao: "Indro, ary izaho dia hitondra loza amin'ity toerana ity, ary ny sofin'ireo rehetra izay maheno izao dia hangotsokotsoka. 4 Hanao izany aho satria nafoin'izy ireo Aho ary nozimbazimbainy ity toerana ity. Eto amin'ity toerana ity no anoloran'izy ireo sorona ho an'ireo andriamanin-kafa izay tsy fantany. Izy ireo, ireo razambeny, ary ny mpanjakan'ny Joda ihany koa dia efa nameno ràn'ny tsy manan-tsiny teo amin'ity toerana ity. 5 Nanorina ireo toerana avon'i Bala izy ireo handorana amin'ny afo ny zanakalahin'izy ireo ho fanatitra dorana ho azy izy—zavatra izay tsy nodidiako na notononiko, na koa niditra tao an-tsaiko. 6 Koa, indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa tsy ho antsoina intsony hoe Tofeta ity toerana ity, ilay Lohasahan'i Ben-Hinoma, fa ho lasa Lohasahan'ny Famonoana izany. 7 Eto amin'ity toerana ity no hanaovako ireo fikasan'i Joda sy Jerosalema ho tsy misy ilàna azy. Ho ataoko ho lavon'ny sabatra eo anoloan'ireo fahavalony izy ireo ary ny tanan'ireo izay mifofo ny ainy izy ireo. Dia homeko ho sakafon'ny vorona eny amin'ny lanitra sy ny biby eny amin'ny tany ny fatin'izy ireo. 8 Dia hataoko ho faharavana sy zavatra fihisitrisitr'ity tanàna ity, ka izay rehetra mandalo eo amin'izany dia hangovitra sy hisioka momban'ny areti-mandringana rehetra. 9 Hampihinanako ny nofon'ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy izy ireo; ny olona tsirairay dia hihinana ny nofon'ny mpiara-belona aminy eo amin'ny fahirano ary amin'ny fangirifiriana no hitondrana azy ireo amin'ny fahavalony sy ireo mitady ny ainy.'" 10 Dia ho vakianao eo imason'ireo lehilahy izay niaraka taminao ny tavoara tanimanga. 11 Hilaza amin'izy ireo ianao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: "Hanao zavatra mitovy toy izany amin'ity vahoaka ity sy ity tanàna ity Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—toy ny nanorotoron'i Jeremia ny tavoara tanimanga no tsy nahafahana nanamboarana izany indray. Handevina ny maty any Tofeta ny olona mandra-paha tsy misy toerana hafa handevenana ireo maty intsony. 12 Toy izany no hanaovako ity toerana ity sy ireo mponiny raha hanao ity toerana ity tahaka an'i Tofeta Aho—izany no fanambaran'i Yaveh— 13 ka ny tranon'i Jerosalema sy ireo mpanjakan'i Joda dia ho tonga tahaka an'i Tofeta—ireo trano rehetra izay misy tampon-trano hideran'ny olona maloto ny kintana rehetra eny amin'ny lanitra ary andrarahany fanatitra sotroina ho an'ireo andriamanin-kafa."' 14 Dia tonga avy any Tofeta i Jeremia, izay nanirahan'i Yaveh azy mba haminany. Nitsangana teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Yaveh izy ary niteny tamin'ny olona rehetra hoe: 15 "Izao no lazain'ny Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely hoe: 'indro, hitondra amin'ity tanàna ity sy ny renivohiny rehetra ny loza rehetra izay efa nambarako tamin'izany Aho, satria nanamafy ny hatony izy ireo ary nandà tsy hihaino ny teniko."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 7:31.
DH: "Jereo" na "henoy" na "henoy ny zavatra izay ho lazaiko aminareo"
DH: "ho tohana ny rehetra izay mandre izany"
Eto ny teny "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'i Joda.
DH: "namono olona tsy manan-tsiny maro teto amin'ity toerana ity"
DH: "zavatra izay norarako tsy ho ataon'izy ireo"
Eto ny "saiko" dia manondro ny eritreritr'i Yaveh. DH: "na nisaina ny momba izany"
DH: "Jereo" na "henoy" na "henoy ny zavatra izay ho lazaiko aminareo"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
DH: "tsy ho antsoin'ny olona hoe Tofeta intsony ity toerana ity"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 7:31.
DH: "Ho ataoko vonon'ireo fahavalony amin'ny sabany izy ireo"
Io fehezanteny io dia mitovy amin'ilay fehezanteny teo aloha ny heviny. DH: "ho avelako ho vonoin'ireo izay te hamono azy ireo izy ireo"
Ilay mamoaka feo "S" , izay mampiseho tsy fankatoavana.
"Hampihinanako ... ny olona izay miaina ao Jerosalema"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
DH: "tsy afaka hanamboatra izany indray"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
DH: "ary ny ankohonan'ireo mpanjakan'i Joda"
DH: "Jereo" na "henoy" na "henoy ny zavatra izay ho lazaiko aminareo"
Ny andian-teny "nandà tsy hihaino" dia mitovy dika amin'ny hoe "nanamafy ny hatony" ary manazava ny nataon'ny olona.
1 Pasora zanak'i Imera mpisorona—manamboninahitra mpitarika izy—dia nandre an'i Jeremia naminany ireo teny ireo teo anoloan'ny tranon'i Yaveh. 2 Koa novelesin'i Pasora i Jeremia mpaminany ary avy eo napetrany tao amin'ireo hazo fanagadrana izay teo amin'ny Vavahady Ambonin'i Benjamina tao amin'ny tranon'i Yaveh. 3 Ary navoakan'i Pasora tao amin'ny hazo fanagadrana i Jeremia ny andro manaraka. Dia hoy Jeremia taminy: "Tsy niantso ny anaranao hoe Pasora i Yaveh, fa Magora-misabiba ianao. 4 Fa izao no lazain'i Yaveh: 'Indro, ho ataoko zavatra mampatahotra ianao, dia ianao sy ireo olon-tianao rehetra, fa ho lavon'ny sabatr'ireo fahavalony izy ireo ary hahita izany ny masonao. Ho atolotro eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona ny Joda rehetra. Ho ataony babo any Babylona izy ireo na ho tafihany amin'ny tsabatra. 5 Homeko azy ny haren'ity tanàna ity rehetra sy ny fananany rehetra, ny zava-tsarobidin'izany rehetra sy ny haren'ny mpanjakan'ny Joda rehetra. Ho apetrako eny an-tanan'ireo fahavalonao ireo zavatra ireo, ka ho lasan'izy ireo izany. Haka ireny izy ireo ka hitondra ireo any Babylona. 6 Nefa ianao, ry Pasora, sy ireo mipetraka ao an-tranonao rehetra dia ho lasan-ko babo. Handeha any Babylona ianao ka ho faty any. Ianao sy ireo olon-tianao rehetra izay naminanianao zavatra fitaka dia ho alevina any.'" 7 "Namitaka ahy Ianao, ry Yaveh, ary voafitaka aho. Matanjaka noho izaho Ianao, ary mandresy ahy Ianao. Lasa fihomehezana mandritry ny tontolo andro aho, maneso ahy ny olon-drehetra. 8 Fa isaky ny niteny aho, dia niantso mafy aho ary nanambara hoe: 'Herisetra sy fandravana'. Ary lasa latsa sy fanesoana ho ahy isan'andro ny tenin'i Yaveh. 9 Raha miteny aho hoe: "Tsy hieritreritra momba an'i Yaveh intsony aho. Tsy hiteny amin'ny anarany intsony aho.' Ary tahaka ny afo ao am-poko izany, voatazona ao anatin'ny taolako. Koa mitolona mba hitana izany aho saingy tsy nahavita. 10 Nandre ny tsahon'ireo mpampihorohoro avy amin'ny olona rehetra manodidina aho.'Tatero! Tsy maintsy taterintsika izany!' Ireo izay akaiky ahy dia mitazana mba hijery raha mianjera aho.' Mety ho azo fitahana izy. Raha izany, dia afaka mandresy azy isika ary hanao ny valifatintsika aminy.' 11 Fa momba ahy tahaka ny mpiady mahery Yaveh, ka hivembena ireo olona izay manenjika ahy. Tsy handresy ahy izy ireo. Ho afa-baraka tanteraka tokoa izy ireo, satria tsy hahomby. Ho menatra tsy hanam-piafarana izy ireo, tsy ho adino mandrakizay izany. 12 Nefa ianao, ry Yaveh Tompon'ny maro, Ianao izay mandinika ny fahamarinana sy izay mahita ny saina sy ny fo. Avelao aho hahita ny valifatinao amin'izy ireo satria efa naneho ny trangako taminao aho. 13 Mihirà ho an'i Yaveh! Miderà an'i Yaveh! Fa efa namonjy ny ain'ireo izay nampahoriana teny an-tanan'ireo mpanao ratsy Izy. 14 Aoka ho ozonina ny andro nahaterahako. Aoka tsy ho tahiana ny andro izay nitondran'ny reniko ahy. 15 Aoka ho ozonina ilay lehilahy izay nampahafantatra ny raiko, ilay niteny hoe: 'Misy zazalahy nateraka ho anao', hiteraka fifaliana lehibe. 16 Aoka izany lehilahy izany ho tahaka ireo tanàna izay noravain'i Yaveh ka tsy nananany antra. Aoka izy handre ny antso vonjy amin'ny mangiran-dratsy, sy ny tomanin'ny ady amin'ny atoandro, 17 satria tsy namono ahy tao am-bohoka izy, nanao ny reniko ho fasako, dia kibo izay nitoe-jaza mandrakizay. 18 Nahoana izany no nivoaka tao am-bohoka aho mba hijery fahoriana sy alahelo, mba ho feno henatra ireo androko?"
Eto ny teny "izy" dia manondro an'i Pasora.
Ireto avy no azo andikana azy 1) fa i Pasora tenany no nively an'i Jeremia mpaminany na 2) fa nampaniraka lehilahy hafa i Pasora hively an'i Jeremia.
Ny fanagadrana dia hazo fisaka misy lavaka eo aminy izay nampiasana hitazomana ny tanana, ny tongotra ary ny lohan'ireo gadra.
Io vavahady io dia hafa tamin'ireo vavahadin'ny manda izay mitovy ny anarany.
Io teny io dia nampiasaina mba hanamarihana fiantombohan'ny tantara. Raha manana fomba hanaovana toy izany ny fiteninao dia azonao atao ny mampiasa izany eto.
Io anarana io dia midika hoe "horohoro eny an-daniny sy an-kilany"
DH: "mandraisa lesona amin'izay zavatra ho lazaiko"
DH: "ho vonoin'ireo fahavalony amin'ny sabatra izy ireo"
DH: "hahita izany ianao"
Eto ny teny "tanana" dia manondro ny fahefana. DH: "Ho ataoko resin'ny mpanjakan'i Babylona ny Joda rehetra"
Eto ny teny "azy" dia manondro ny mpanjakan'i Babylona.
Namerina io teny io inefatra Yaveh mba ho fanamafisana. Izany hoe ho alain'i Babylona ny haren'Israely rehetra , ao anatin'izany ny fananan'ny mpanjaka.
Eto ny teny "tanana" dia manondro ny fananana. DH: "ho avelako haka ireo zavatra ireo ho fananany ireo fahavalonao" na "Homeko ny fahavalonao ireo zavatra ireo"
DH: "Handevina anao sy ny olon-tianao rehetra izay naminaninao zavatra lainga ireo olona any"
Miresaka amin'i Yaveh i Jeremia
DH: "tena namitaka ahy tokoa Ianao"
Misy amin'ireo dikan-teny moderina no mandika io fomba fiteny Hebreo io hoe "Nandresy lahatra ahy Ianao, ry Yaveh. Tena resy lahatra aho."
Io fehezanteny io dia mitovy dika amin'ilay fehezanteny teo alohany.
Ireo andian-teny roa ireo dia mifanakaiky ny heviny ary samy manamafy fa nanambara ny hafatr'i Yaveh tamim-pahasahiana izy. DH: "nanambara ampahibemaso" na "nanambara mafy"
Eto ny "teny" dia manondro ilay hafatr'i Yaveh. DH: "Mandatsa sy maneso ahy isanandro ireo olona satria nanambara ny hafatr'i Yaveh aho"
Ny teny " latsa" sy "fanesoana" dia mitovy ny dikany ary samy manamafy fa ireo olona dia niomehy an'i Jeremia tamin'ny fanambara ny hafatr'i Yaveh. DH: "antom-piomehezan'ny olona ahy"
Ireo azo andikana azy 1) "tsy hiteny na inona na inona mahakasika azy intsony aho" na 2) "tsy hiteny toy ny mpitondra hafany intsony"
Jeremia dia miresaka ny hafatr'i Yaveh toy ny afo izay tsy azo fehezina. DH: "Ny tenin'i Yaveh dia tahaka ny afo izay mandoro lalina ny any anatiko"
Niteny ireo teny reo fahavalon'i Jeremia.
Niteny ireo teny reo fahavalon'i Jeremia.
"Mety azontsika fitahana izy
Yaveh dia tahaka ny mpiady mahery izay miaro an'i Jeremia ary nandresy ireo fahavalony.
"tsy ho adinon'ny olona mandrakizay izany"
DH: "izay mahafantatra ny fisainana sy faniriana"
DH: "namonjy ny olona ory"
Eto ny teny "tanàna" dia manondro ny fahefana. DH: "teny ambanin'ny fahefan'ireo mpanao ratsy"
Manohy miresaka amin'i Yaveh i Jeremia.
DH: "hanozona ny andro nahatarehako"
DH: "Aza mitahy ny andro izay niterahin'ny reniko ahy."
DH: "hozony ilay lehilahy izay nampafantatra ny raiko"
Io dia manondro ilay leluhilahy nampahafantatra ny rain'i Jeremia tao sy ny fahaterahany
Io dia manondro an'i Sodoma st Gomora.
Eto ny teny "izy" dia manondro "ilay lehilahy."
Ny kibon'ny renin'i Jeremia no hihazona ny vata-mangatsiakany toy ny hihazonan'reo fasana ny olona maty.
Nametraka io fanontaniana io i Jeremia mba hitarainana fa tsy misy antony nahateraka azy. DH: "tsy misy antony nahateraka ahy mba hijery olana sy fahoriana ihany ... ireo androko."
Ny "fahoriana" sy "alahelo" dia mitovy ny dikany ary manamafy ny halehibe sy hamafin'ny fijaliana. DH: "hiaina fijaliana maro."
DH: "feno henatra ny fiainako"
1 Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia avy amin'i Yaveh rehefa nandefa an'i Pasora zanaka lahin'i Malkia sy i Zefania zanaka lahin'i Mahasela mpisorona tany aminy i Zedekia mpanjaka. Dia hoy izy ireo taminy: 2 "Mangataha hevitra amin'i Yaveh ho anay, fa manangana ady aminay i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona. Hanao ireo fahagagana ho anay angamba Yaveh, toy ny tamin'ny andro taloha, ka hampiala azy eo aminay." 3 Ka hoy Jeremia tamin'izy ireo: "Izao no tsy maintsy lazainareo an'i Zedekia, 4 'Yaveh, Andriamanitr'Israely, miteny izao: "Indro, hampiverina ireo fitaovam-piadiana izay eo an-tananareo aho, niaraka amin'izay niadinareo hanohitra ny mpanjakan'ny Babylona sy ireo Kaldeana izay nanatona anareo avy tany ivelan'ireo manda! Fa hanangona azy ireo ho eo ampovoan'ity tanàna ity. 5 Dia Izaho tenako no hiady aminao miaraka amin'ny tanana mitsotra sy sandry mafy, sy miaraka amin'ny fahasosorana, fahavinirana, ary fahatezerana lehibe. 6 Dia hanafika ireo mponin'ity tanàna ity Aho, na ny olona na ny biby. Ho faty amin'ny areti-mandringana mafy izy ireo. 7 Aorian'izany—izao no fanambaran'i Yaveh—Zedekia mpanjakan'i Joda, ireo mpanompony, ny vahoaka, sy ireo izay mijanona eto amin'ity tanàna ity aorian'ny areti-mandringana, ny sabatra, ary ny mosary, dia homeko ho eo an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona izy rehetra, sy eo an-tanan'ireo fahavalony, ary eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ain'izy ireo. Dia hamono azy ireo amin'ny lelan-tsabatra izy. Tsy hiantra azy ireo izy, tsy hamindra fo azy ireo, na hanana fangoraham-po.' 8 Ary aoka ho lazainao amin'io vahoaka io hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: "Indro, ho apetrako manoloana anareo ny lalan'ny fiainana sy ny lalan'ny fahafatesana. 9 Izay mijanona amin'ity tanàna ity dia ho fatin'ny sabatra, mosary ary ny areti-mandringana; fa izay mivoaka ka mianjera eo amin'ny lohaliny eo anoloan'ireo Kaldeana izay nanao fahirano anao dia ho velona. Handositra hiaraka amin'ny ainy izy. 10 Fa efa nanandrina ny tavako hanohitra ity tanàna ity aho mba hitondra loza fa tsy hitondra soa—izany no fanambaran'i Yaveh. Efa natolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona ary ho dorany izany.' 11 Henoy ny tenin'i Yaveh mahakasika ny taranakin'ny mpanjakan'ny Joda. 12 Ry taranak'i Davida, hoy i Yaveh: "tanteraho ny rariny amin'ny maraina. Vonjeo eny an-tanan'ny mpampahory ilay voaroba, fandrao hivoaka toy ny afo ny hatezerako ka handoro, ary tsy hisy na iray aza ka afaka hamono izany, noho ireo asa ratsinao. 13 Indro, ry mponin'ny loasaha! Manohitra anao Aho, ry vaton'ny lemaka—izao no fanambaran'i Yaveh— Izaho dia manohitra ireo izay rehetra manao hoe: "Iza no hidina hanafika anay?" na hoe: "Iza no hiditra ao an-tranonay?" 14 Nanendry ny vokatrin'ireo asanao ho avy hanohitra anao Aho—Izany no fanambaran'i Yaveh—ary andrehitra afo any amin'ireo kirihitr'ala aho, ary handevona ireo rehetra izay manodidina azy izany."
Io ihany ilay Pasora voatonona tao amin'ny 20:1
DH: "Miresaha re amin'i Yaveh ho anay. Anontanio izy raha hanampy antsika"
DH: " toy ny efa nataony tany aloha"
DH: "hampiala alavitra azy"
DH: "ireo miaramila izay didinao"
"manatona akaiky anareo"
Ireo andian-teny ireo dia fomba fiteny izay midika hoe hery lehibe. DH: "miaraka amin'ny hery lehibe."
Ireo teny ireo dia miitovy ny dikany. Ireo no miaraka dia manamafy ny hamafin'ny hatezerany. DH: "miaraka amin'ny hatezerana lehibe."
DH: "ireo izay miaina ao Jerosalema"
DH: "ny vahoakan'i Jerosalema"
Manome safidy ny vahoakan'i Jerosalema Yaveh izay hamaritra na ho faty na ho velona izy ireo.
DH: "manodidina an'"
DH: "nanafika avy eny amin'ny lafiny rehetra"
DH: "efa resy lahatra ny hanafika"
Izay nanodidina an'ireo Babyloniana dia ho tafatsoaka velona, na dia ho very aza ny fananany rehetra.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
DH: "Henoy izay lazain'i Yaveh mahakasika ny mpanjaka an'i Joda, ny fianakaviany, sy ireo mpanompony."
DH: "Ento amin'ny rariny foana ny olona izay tantananao"
DH: "ny fahefan'izay mampahory"
DH: "Hanasazy ary hamotika anareo faingana sy tanteraka Aho amin'ny fahatezerako"
DH: "Manohitra anao Aho, ry Jerosalema" na "hanasazy anao Aho, ry vahoakan'i Jerosalema"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
DH: "Tsy misy hanafika antsika ary tsy hiditra ao an-tranontsika"
DH: "Ho saziako arak'izay mendrika anao ianareo noho ireo zavatra vitanao"
DH: "ireo vokatrin'ny fanaonao"
1 Izao no lazain'i Yaveh: "Midìna any an-tranon'ny mpanjakan'i Joda ary ambarao any izao teny izao. 2 Lazao hoe: 'Ry mpanjakan'i Joda, henoy ny tenin'i Yaveh—ianao izay mitoetra eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida—ianao, sy ireo mpanomponao, ary ireo vahoakanao izay mandalo eo amin'ireo vavahady ireo. 3 Izao no lazain'i Yaveh: "Manaova ny rariny sy fahamarinana, ary izay voaroba—vonjeo eny an-tanan'ny mpampahory izy. Aza manao fomba ratsy amin'ireo vahiny, na kamboty, na mpitondratena eo amin'ny taninao. Aza manao herisetra na mandatsaka ny ràn'ny tsy manan-tsiny amin'ity toerana ity. 4 Fa raha manao ireo zavatra ireo tokoa ianao, dia hiditra eo amin'ireo vavahadin'ity trano ity hitaingina kalesy sy soavaly ireo mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, izy, ireo mpanompony, ary ny vahoakany! 5 Fa raha tsy mihaino ireo teny avy amiko izay efa nambarako ireo ianao—izany no fanambaran'i Yaveh—dia ho tonga faharavana ity tranon'ny mpanjaka ity.'" 6 Fa izao no lazain'Yaveh mahakasika ny tranon'ny mpanjakan'i Joda: 'Ianao dia tahaka an'i Gileada, na tahaka ny tendron'i Libanona amiko. Na izany aza ho avadiko tany efitra ianao, ho tanàna tsy misy mponina. 7 Fa efa nanendry ireo mpandrava ho avy hanohitra anao Aho! Hanapaka ireo sederanao tsara indrindra ireo lehilahy miaraka amin'ny fitaovam-piadiany ary hamela azy ireo hianjera anaty afo. 8 Ary firenena maro no handalo amin'ity tanàna ity. Hifampilaza amin'ny eo akaikiny ny tsirairay hoe: 'Nahoana no nanao izao tamin'ity tanàna lehibe ity Yaveh?" 9 Ary hamaly ny hafa hoe: "Satria nahafoy ny faneken'i Yaveh Andriamaniny izy ireo, ary niankohoka tamin'ireo andriamanitra hafa sy nanompo azy ireo." 10 Aza mitomany izay maty, na misaona ho azy; fa mitomania ho azy izay handeha alavitra, satria tsy hiverina intsony izy ary tsy hahita ny tanindrazany intsony.' 11 Fa izao no lazain'i Yaveh momba an'i Jehoaza zanaka lahin'i Josia mpanjakan'i Joda, izay nanompo tahaka ny mpanjaka raha tokony ho Josia rainy: 'Niala teto amin'ity toerana ity izy ary tsy hiverina. 12 Ho faty any amin'ilay toerana izay nanaovan'izy ireo sesitany azy izy, ary tsy hahita ity tany ity intsony.' 13 Loza ho an'izay manorina ny tranony amin'ny tsy fahamarinana, ny efitranony ambony amin'ny tsy rariny, izay mampiasa maina ny mpiara-belona aminy, ary tsy manome ny karamany; 14 hoy izy hoe: 'Hanorina trano lehibe sy efitrano ambony malalaka ho ahy aho.' Koa manapàha varavarankely lehibe ho izany, ary nasiany valin-drihana sedera izany, ary nolokoiny mena.' 15 Mahatonga anao ho mpanjaka tsara ve ny fanirianaono hanana takelaka sedera? Moa ve tsy nihinana sy nisotro ihany koa ny rainao, fa kosa nanao ny rariny sy fahamarinana? Ary nandeha tsara ny zava-drehetra ho azy. 16 Nanome rariny ny ory sy fadiranovana izy. Ary dia tsara izany. Moa ve izany tsy midika ny fahafantarana Ahy? —izany no fanambaran'i Yaveh. 17 Fa tsy misy na inona na inona ankoatran'ny tahotra eo amin'ny masonao sy ny fonao noho ny amin'ny tombony tsy ara-drariny sy ny amin'ny fandatsahan-dràn'ny tsy manan-tsiny, ny fampahoriana sy fanorotorona ny hafa. 18 Noho izany dia hoy i Yaveh mahakasika an'i Joiakima zanaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda: Tsy hitomany ho azy izy ireo ka hanao hoe: 'loza, ry rahalahiko!' na 'loza, ry rahavaviko!' Tsy hitomany ho azy izy ireo ka hanao hoe: 'loza, ry tompo!' na 'loza, ry be voninahitra!' 19 Ho alevina toy ny fandevenam-boriky izy, ho taritarihina sy hatsipy any ivelan'ny vavahadin'i Jerosalema izy. 20 Miakara any an-tendrombohitr'i Libanona ka miantsoa mafy. Asandrato ao Basana ny feonao. Miantsoa mafy avy eny amin'ireo tendrombohitr'i Abarima, fa ho ringana ireo namanao rehetra. 21 Niresaka taminao Aho fony nandry ampilaminana ianao, nefa hoy ianao hoe: 'Tsy hihaino aho.' Izany no fombanao hatramin'ny fahatanoranao satria tsy nihaino ny feoko ianao. 22 Hiandry ireo mpiandry ondrinao rehetra ny rivotra, ary ireo namanao dia ho lasan-ko babo. Ary dia ho menatra sy hangahiahy tokoa ianao nohon'ny asa ratsinao rehetra. 23 Ianao izay monina any 'Libanona,' izay manorina akany amin' ny sedera, endrey ny hamindrana fo aminao rehefa tonga aminao ny fanaintainan'ny asa, fanaintainana izay tahaka ny an'ny vehivavy miteraka!" 24 "Raha velona koa Aho—izao no fanambaran'i Yaveh—na dia peratra tombokasen'ny tanako ankavanana aza ianao ry Jekonia, zanaka lahin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, dia ho viraviraiko ianao. 25 Fa efa nomeko ho eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ainao ianao ary ho eo an-tanan'ireo izay atahoranao, na ho eny an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ireo Kaldeana koa aza. 26 Hanary anao sy ny reninanao niteraka anao any amin'ny tany hafa Aho, tanàna izay tsy nahaterahanao, ary ao ianao no ho faty. 27 Raha ny momba ity tany izay hirian'izy ireo hiveranana ity, dia tsy hiverina aty izy ireo. 28 Moa ve tsy fanaka notsinontsinoavina sy notorotoroina izany? Moa ve tsy vilany izay tsy nahafaly an'iza na iza izany lehilahy Jekonia izany? Nahoana izy sy ny taranany no narian'izy ireo, ka natsipiny tany amin'ny tany izay tsy fantatr'izy ireo? 29 Ry tany, ry tany, ry tany! Henoy ny tenin'i Yaveh! 30 Izao no lazain'i Yaveh: 'Manorata mahakasika ity lehilahy Jekonia ity: tsy hanan-taranaka izy. Tsy ho ambinina mandritra ny androm-piainany izy, ary tsy hisy na iray amin'ireo taranany ahita fahombiazana na hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida indray ka hanapaka an'i Joda.'"
DH: "nanapaka toy ny mpanjaka, tahaka an'i Davida teo alohanao"
DH: "tandremo ny tenin'i Yaveh"
DH: "ianao sy ireo mpanomponao, ary ny vahoakanao izay miaina any amin'ny fireneny"
Ireo dia vavahadin'ny lapan'ny mpanjaka. DH: "izay tonga nitsidika ny mpanjaka"
Eto ny teny "tanana" dia manondro ny fahefana na fifehezana olona iray.
Aza mampijaly olona
zaza tsy manana ray aman-dreny
DH: "Aza ... mamono olona tsy manan-tsiny"
ny "ity toerana ity." dia manondro an'i Jerosalema, na ny firenen'i Joda iray manontolo mihitsy aza. Io dia tsy midika fa tsara ny mamono olona any amin'ireo toerana hafa.
Io dia manondro ireo mpanjaka manana fahefana toy i Davida. DH: "ireo mpanjaka, nanjaka tahaka an'i Davida teo alohan'izy ireo"
Ity fehezanteny ity dia manambara fa ireo mpanjaka dia mahery sy nanan-karena.
Ity fehezanteny ity dia mitanisa ireo izay ho lasa matanjaka sy manan-karena. DH: "izy, ireo mpanompony, ary ireo vahoakany dia hiditra hitaingina kalesy sy soavaly ao amin'ny lapa"
DH: "raha tsy mitandrina" na "raha tsy mankato"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Io ihany koa dia azo adika hoe "ankohonan'ny mpanjakan'i Joda" ary manondro ny fianakaviana sy ireo tarakin'ny mpanjakan'i Joda.
Yaveh dia mamaritra ny fifandraisany tsara manoloanan'ny fianakaviana sy ireo taranakin'ny mpanjakan'i Joda
DH: "hatonga ireo tanànanao ho foana sy tsy misy mponina"
DH: "Ary olona avy amin'ny firenena maro samihafa no handalo amin'ity tanàna ity."
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny dikany. Ny andian-teny "niankohoka " dia mamaritra ny fihetsika ataon'ny olona rehefa manompo.
Ny mpitantara Yaveh dia niala tamin'ny firesahana tamin'ny mpanjakan'i Joda ary miresaka amin'ny mpihaino ankapobeny.
DH: "ahita ilay tanin'Israely intsony" na "ahita ny toerana nihaviana intsony"
Ny dikan'io anarana io amin'ny teny Hebreo dia "Saloma," fantatra amin amin'ny anarana hoe Jehoahaza.
Ny trano dia nampiasaina mba hilazana an'i Joiakima sy ny fianakaviany.
DH: "Ny fananana takelaka sedera dia tsy midika fa mpanjaka tsara ianao"
DH: "Josia mpanjaka dia nanararaotra ny fiainany ... fahamarinana."
DH: "Izany ny dikan'ny fahafantarana Ahy."
"tsy misy na inona na inona ny eritreritrao sy ny fihetsem-po"
Mahazo vola amin'ny fangalarana na fampiasana fitoavana amin'ny tsy rariny.
"famonoana olona tsy manan-tsiny"
"manao herisetra amin'ny hafa mba ahazoana vola"
Nampiasa ny teny "loza" imbetsaka Yaveh mba ho fanamafisana. Niresaka tamin'ny karazan'olona maro samihafa Izay mampiseho alahelo lehibe rehefa misy olona maty.
"Ho alevin'izy ireo toy ny fomba fandevenana boriky maty ny vata-mangatsiakany; ho taritarihin'izy ireo izany ary ho arina any ivelany"
DH: "Mitenena mafy any Basana"
DH: "Niresaka taminao Aho fony ianao nilamina tsara"
DH: "Izany no fomba fiainanao"
DH: "tsy nankato Ahy ianao"
DH: "Ho esorina ireo ireo mpitarikareo"
DH: "lapa vita amin'ny sedera avy any Libanona"
DH: "hamindrana fo ianao noho ireo fanaintaina"
DH: "Azo antoka fa"
DH: "na dia peratra tombokasen'ny tanako ankavanana aza ianao ry Jekonia ... dia ho esoriko eto amin'ny tanako" na "ry Jekonia ... na dia mpanjaka nofidiko ho fampisehoko ny heriko aza ianao dia ho saziko"
DH: "Nataoko tanteraka ny fanirian'ireo izay mifofo ny ainao mba hisamborana anao"
Manondro ny tanin'i Joda
DH: "Jekonia dia tsy misy ilàna azy ary tsy misy faly aminy."
DH: "Tokony nesorin'ireo teo amin'ilay tany i Jekonia sy ny fianakaviany"
Miresaka ny hafany tamin'ny vahoaka rehetra tao amin'ilay tany Yaveh, mora
DH; "mankato ny tenin' yaveh"
1 "Loza ho an'ireo mpiandry ondry izay mamotika sy manaparitaka ny ondrin'ny ahitra maitsoko—izany no fanambaran'i Yaveh." 2 Noho izany Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, dia milaza izao mahakasika an'ireo mpiandry ondry izay miandry ny olony: "Naparitakareo ireo ondriko ary noroahinareo. Tsy niraharaha azy ireo ianareo. Koa hanasazy anareo Aho nohon'ny ratsy izay nataonareo—izany no fanambaran'i Yaveh. 3 Izaho tenako no hanangona ny sisa amin'ireo ondriko avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy ireo, ary hamerina azy ireo amin'ny toerana misy ahitra, izay hamokaran'izy ireo sy hitomboan'izy ireo Aho. 4 Avy eo Aho hanangana mpiandry ondry eo amin'izy ireo izay hiandry azy ireo mba tsy hatahotra na torotoro intsony izy ireo. Tsy hisy ho very izy ireo— izany no fanambaran'i Yaveh. 5 Indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa hanangana rantsana marina ho an'i Davida Aho. Hanjaka toy ny mpanjaka izy; hiasa am-pahendrena izy ary hampisy rariny sy fahamarinana eo amin'ilay tany. 6 Amin'ireo androny dia ho voavonjy i Joda, ary Israely dia hiaina am-pilaminana. Dia izao no anarana hiantsoany azy: Yaveh no fahamarinantsika. 7 Noho izany indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa tsy hiteny intsony izy ireo hoe: 'Raha mbola velona koa Yaveh, ilay nitondra ny vahoakan'Israely hivoka ny tany Egypta.' 8 Fa hilaza kosa izy ireo hoe: 'Raha mbola velona koa Yaveh, ilay nitondra sy nitarika ny taranak'Israely avy tany amin'ny tany avaratra sy ny tany rehetra izay nandroahana azy ireo.' Avy eo dia hiaina any amin'ny tanin'izy ireo ihany izy ireo. 9 Raha ny momban'ireo mpaminany, dia maratra ny foko, ary mangovitra ny taolako rehetra. Lasa toy ny olona mamo aho, toy ny olona izay resin'ny divainy, noho Yaveh sy ireo teniny masina. 10 Fa ilay tany dia feno mpijangajanga. Noho ireo dia maina ny tany. Maina ireo tanin'ahitra any an'efitra. Ratsy ireo lalan'ny mpaminany ireo; tsy miasa amin'ny tokony ho izy ny fahefan'izy ireo. 11 "Fa ireo mpaminany sy ireo mpisorona dia samy maloto. Efa nahita ny faharatsian'izy ireo tao an-tranoko mihitsy Aho! — izany no fanambaran'i Yaveh— 12 noho izany dia ho toy ny toerana malama ao anaty aizina ny lalan'izy ireo. Ho atosika hidina izy ireo. Hianjera eo amin'izany izy ireo. Fa handefa loza eo amin'zy ireo amin'ny taonan'ny fanasazina azy ireo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh. 13 Fa efa hitako nanao izay maharikoriko ireo mpaminany tany Samaria: naminany tamin'i Bala izy ireo ary nitarika ny vahoakako Israely amin'ny lalan-diso. 14 Nahita zavatra mahatsiravina teo amin'ireo mpaminany tany Jerosalema Aho: Nijangajanga izy ireo ary nandeha tamin'ny fitaka. Nanamafy ny tanan'ireo mpanao ratsy izy ireo; tsy nisy niala tamin'ny ratsy fanaony. Lasa toa an'i Sodoma avokoa izy rehetra amiko ary ny mponiny dia toa an'i Gomora!" 15 Noho izany Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao mahakasika ireo mpaminany: "Indro, hampihinana zava-mahafaty sy hampisotro rano misy poizina azy ireo Aho, satria ny fahalotoana dia nivoaka tamin'ireo mpaminanin'i Jerosalema nankany amin'ny tany rehetra." 16 Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao: "Aza mihaino ny tenin'ireo mpaminany izay maminany aminareo. Efa namitaka anareo izy ireo! Izy ireo dia manambara fahitana avy ao an-tsain'izy ireo manokana ihany, fa tsy avy amin'ny vavan'i Yaveh. 17 Milaza foana amin'ireo izay manala baraka Ahy izy ireo hoe: 'Yaveh dia manambara fa hisy fiadanana ho anareo.' Fa ny olona rehetra izay mandeha amin'ny ditran'ny fony dia manao hoe: 'Tsy ho avy aminareo ny loza.' 18 Nefa iza no nitsangana teo amin'ny fivorian'ny synedrionan'i Yaveh? Iza no mahita sy mandre ny teniny? Iza no nanongila-tsofina tamin'ny teniny ary nihaino? 19 Indro, misy rivo-doza ho avy avy any amin'i Yaveh! Mivoaka ny hatezerany, ary misy tafio-drivotra hitsoaka. Mitsoka manodidina ny lohan'ireo ratsy fanahy izany. 20 Tsy hiverina ny hatezeran' Andriamanitra mandra-pahatanterahany sy mandra-pitondrany ny fikasan'ny fony. Amin'ny andro farany, dia ho azonareo izany. 21 Tsy nandefa ireo mpaminany ireo Aho. Nipoitra fotsiny izy ireo. Tsy nanambara na inona na inona tamin'izy ireo Aho, nefa mbola naminany ihany izy ireo. 22 Fa raha nitsangana teo amin'ny fivorian'ny synedrionako izy ireo, dia ahatonga ny oloko handre ny teniko izy ireo; nampivily azy ireo tamin'ireo teny ratsiny sy fanaovan'izy ireo kolikoly. 23 Moa Andriamanitra eo akaiky eo fotsiny ihany ve Aho—izao no fanambaran'i Yaveh—fa tsy Andriamanitra alavitra ihany koa? 24 Misy olona afaka miafina any amin'ny toerana miafina ve ka tsy hitako? —izany no fanambaran'i Yaveh—ary moa tsy mameno ny lanitra sy ny tany Aho? —izany no fanambaran'i Yaveh. 25 Efa reko ny voalazan'ireo mpaminany, ireo izay naminany fitaka tamin'ny anarako. Hoy izy ireo hoe: 'Nanofy aho! Nanofy aho!' 26 Hafiriana no hitohizan'izany, ry mpaminany izay maminany lainga avy ao an-tsain'izy ireo, sy maminany avy amin'ny fitaka ao am-pon'izy ireo? 27 Izy ireo dia mitetika ny hanadinoan'ny oloko ny anarako amin'ireo nofy izay taterin'izy ireo tsirairay avy amin'ny mpiara-monina aminy, tahaka ny nanadinoan'ny razamben'izy ireo ny anarako nohon'ny anaran'i Bala. 28 Ny mpaminany izay manana nofy, aoka izy hitatitra ilay nofy. Fa izay nanambarako zavatra, aoka izy hanambara ny teniko am-pahamarinana. Fa inona no idiran'ny mololo amin'ny vary? —izany no fanambaran'i Yaveh— 29 Moa tsy toy ny afo ve ny teniko? —izany no fanambaran'i Yaveh—ary toy ny tatanana izay manorotoro vato ho potipotika? 30 Koa indro, manohitra an'ireo mpaminany Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—izay rehetra mangalatra teny amin'ny olona hafa ary milaza fa avy amiko ireny. 31 Indro, manohitra an'ireo mpaminany Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—izay mampiasa ny lelan'izy ireo mba haminaniana fanambarana. 32 Indro, manohitra an'ireo mpaminany izay manofy amim-pitaka Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—ary avy eo manambara ireo ary amin'izany fomba izany dia mamitaka ny oloko amin'ny alalan'ny fitaka sy fiheboheboan'izy ireo. Manohitra azy ireo Aho, satria tsy naniraka na nanome baiko azy ireo Aho. Noho izany dia azo antoka fa tsy hanampy an'ity vahoaka ity izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh. 33 Rehefa manontany anao ireo olona ireo, na ny mpaminany, na ny mpisorona hoe: 'Inona no entan-mavesatr'i Yaveh?' dia hilaza amin'izy ireo ianao hoe: 'Ianareo no entan-mavesatra, ary handroaka anareo Aho'—izany no fanambaran'i Yaveh. 34 Raha ny amin'ireo mpaminany, mpisorona, sy olona izay miteny hoe: 'Ity ny vesatr'i Yaveh' dia hanasazy izany olona izany sy ny ankohonany Aho. 35 Tsy mitsahatra milaza ianareo, ny olona tsirairay amin'ny mpiara-belona aminy ary ny olona tsirairay amin'ny rahalahiny hoe: 'Inona no navalin'i Yaveh?' sy hoe: 'Inona no nambaran'i Yaveh?' 36 Kanefa tsy tokony hiresaka momban'ny 'vesatr'i Yaveh' intsony ianareo, satria ilay vesatra dia ny tenin'ny olona tsirairay manokana, ary ianareo dia nametaveta ny tenin'ilay Andriamanitra velona, ilay Yaveh tompon'ny maro, Andriamanintsika. 37 Izao no ho lazainareo amin'ilay mpaminany hoe: 'Inona no valin-teny nomen'i Yaveh anareo? na hoe: 'Inona no nolazain'i Yaveh' 38 Fa raha miteny ianareo hoe: 'Ilay vesatr'i Yaveh,' dia izao no ambaran'i Yaveh: 'Satria niteny ireo teny ireo ianareo hoe: 'Vesatr'i Yaveh,' rehefa naniraka anareo Aho, niteny hoe: 'Aza miteny hoe: "Vesatr'i Yaveh,"' 39 noho izany, dia indro, haka anareo Aho ary hanipy anareo lavitra Ahy, miaraka amin'ilay tanàna izay nomeko anareo sy ireo razambenareo. 40 Avy eo dia hametraka henatra sy faniratsiràna aminareo mandrakizay izay tsy ho adinoina Aho.'"
Yaveh dia manondro an'Israely toy ny ahitra maintsony, ny vahoakan'Israely toy ny ondriny ary ireo mpitrika tao Israely toy ireo mpiandry ondry.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ilay faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany.
Yaveh dia manondro ireo asa ratsy toy ny fampimdramana izay nomena ary afaka averina. DH: "hamaly faty ireo ratsy"
Manohy miresaka mahakasika ny vahoakan'Israely sy ireo mpitarik'Israely toy ireo mpiandry ondry i Yaveh.
DH: "any amin'izay hamatsiana ny zavatra ilain'izy ireo rehetra"
Ny teny "hitombo" dia manazava ny fomba "hampamokatra" azy ireo. DH: "hitombo an'isa tokoa izy ireo."
Ny teny "torotoro" dia midika fa misy olona nampitahotra azy ireo ary mitovy dika amin'ny "tahotra". DH: "tsy misy olona hampitahotra azy ireo intsony."
"Tsy hisy ho very ny oloko"
Ny fotoana ho avy resahina toy ny zavatra manatona ilay mpitantara na ny mpihaino. DH: "Ho avy ny fotoana"
"izao no nolazain'i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ity mpanjaka ho avy avy amin'ny taranak'i Davida ity dia resahina toy ny rantsana maniry eny amin'ny hazo. DH: "taranaka marina"
Misy amin'ireo dikan-teny vaovao no mndika izany ho "mpandova ara-dalàna ny seza fiandrianana."
Ny "rariny" sy "fahamarinana" dia midika hoe hoe olona manao ny marina. DH: "hatonga ny olona hanao ny tsara sy marina"
Eto ny "tany" dia manondro ireo olona tao amin'ilay firenena. DH: " eo amin'ireo olona ao amin'ilay firenena"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny.
DH: "Hanavotra an'i Joda amin'ireo fahavalony izy"
Io dia fehezanteny nampiasaina rehefa manao fianianana.
Io dia manondro ny fomba nisamborana sy nanaparitahana ireo foko tavaratra folo tany amin'ireo firenena manodidina.
Nivadika niresaka an'i Jeremia fa tsy Yaveh ny mpitantara.
Maratra ny fony ary mangovitra ireo taolan'ny mpaminany satria natahotra ny fitsarana vokan'ireo lainga sy faminaniana sandoka. DH: "matahotra mafy amin'izay zavatra hitranga aho noho ireo mpaminany sandoka"
Ny fihetsem-pon'ilay mpaminany dia resahina toy ny hoe fony. DH: "tena malahelo aho"
Eto ny tahotra dia resahina toy ny hoe mampagovitra ny taolan'ny mpaminany. DH: "tena matahotra aho"
Eto ny fahalahelovana sy fatahorana dia resahina toy ny fijalian'ny olona mamo. DH: "toy ny lehilahy mamo aho; tsy voafehiko ny tenako"
Io dia fanitarana nampiasaina mba ampisehoana ny ahavon'ny fanotana izay nisy tamin'ny fotoanan'i Jeremia.
Io teny io dia azo raisina ara-bakiteny hoe maro tamin'ireo lehilahy tao amin'ilay firenena no nanao fijangajangana tamin'ny vadiny, ary azo raisina ihany koa ho fomba fiteny ara-Baiboly hoe niala tamin'i Yaveh mba ahafahana manompo ireo sampy.
Misy amin'ireo dikan-teny vaovao no mandika io fehezanteny Hebreo io ho "nisaona ny tany."
Nivadika niresaka an'i Jeremia fa tsy Yaveh ny mpitantara.
DH: "ireo mpisorona dia mpanota"
Ny tempolin'i Yveh eto dia nampitahaina amin'ny trano iray, toerana iray izay lazaina fa hiainan'i Yaveh miaraka amin'ireo vahoakany.
"Izao no nolazain'i Yaveh" na "nanambara izao Yaveh"
DH: "tsy milamina, na mampidi-doza"
DH: "rehefa tonga ny fotoana hanasaziana azy ireo"
"niaina tamin'ny fomba tsy mendrika"
"nanamafy ireo izay manao ny ratsy izy ireo"
"nanohy nanota izy ireo"
"lasa tena ratsy izy ireo"
Zavatra izay mangidy sy tsy tsara hoanina. Io fehezanteny io dia milaza ny sazy izay ho entin'i Yaveh eo amin'ireo mpaminany ratsy.
"avy amin'ireo mpaminany ny ratsy"
DH: "Ireo mpaminany no nahatonga anareo hino zavatra tsy marina!"
DH: "fahitana izay noforonin'izy ireo teo an-tsaina"
DH: "tsy avy amin'i Yaveh"
DH: "Tsy nisy nanoro hevitra an'i Yaveh. Tsy nisy nahatakatra izay nolazain'i Yaveh. Tsy nisy nankato ny didin'i Yaveh."
DH: "toy ny tafio-drivotra lehibe"
DH: "ho avy eo amin'ireo ratsy fanahy izany"
DH: "Ny hatezeran'i Yaveh dia hitondra ny fanasaziana rehetra izay efa nokasainy"
DH: "raha tena nihaino Ahy izy ireo"
DH: "Izaho dia Andriamanitra izay sady akaiky no alavitra."
"Tsy misy afaka miafina any amin'ny toerana miafina
"Ary eny rehetra eny Aho, sady any an-danitra no eto an-tany."
DH: "Tsy tokony hitohy intsony izany, ireo mpaminany izay nilaza lainga izay noforonin'izy ireo ihany"
"nitarika ny olona hanompo an'i Bala fa tsy Izaho"
DH: "Ny mololo sy ny vary dia zaatr roa samihafa."
DH: "Ny teniko dia toy ny afo: mandevona sy mahery," hoy Yaveh, "ary toy ny tatanana izay manorototoro vato."
"mahery toy ny tatanana izay afaka mitoto vato"
"izay milaza fa manana nofy avy amin'Andriamanitra, nefa tsy avy amin' Andriamanitra.
DH: "novainareo ny tenin'Andriamanitra mba hitenenanareo izay tianareo ho tenenina"
DH: "inona no nambaran'i Yaveh"
DH: "Koa henoy"
DH: "hanala anareo ho lavitra Ahy Aho"
DH: "izay haharitra mandrakizay"
1 Nampiseho zavatra tamiko i Yaveh. Indro, aviavy roa harona no napetraka teo anatrehan'ny tempolin'i Yaveh. (Io fahitana io dia niseho taorian'ny nanaovan'i Nebokadzenara, mpanjakan'i Babylona sesitany an'i Joakina zanaka lahin'i Joakima, mpanjakan'i Joda, ireo manam-pahefan'i Joda, ireo mpanao asa tanana ary ireo mpanefy vy avy ao Jerosalema ary nitondrany azy ireo tany Babylona.) 2 Ilay harona iray dia nisy aviavy tsara tokoa, tahaka ny voalohan'aviavy masaka, fa ilay harona iray kosa dia nisy aviavy tena ratsy ka tsy afaka hohanina ireo. 3 Hoy i Yaveh tamiko: "Inona no hitanao, ry Jeremia?" Hoy aho hoe: "Aviavy. Aviavy izay tena tsara tokoa ary aviavy izay ratsy tokoa ka tsy azo hohanina." 4 Ary tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 5 "Yaveh, Andriamanitr'Israely, nilaza izao: Hitsinjo ny sesitanin'i Joda ho an'ny tombontsoan'izy ireo Aho, tahaka ireo aviavy tsara ireo, ireo natao sesitany izay teto amin'ity toerana ity ho any amin'ny tanin'ny Kaldeana. 6 Ho tsofiko rano izy ireo ary ho averiko eo amin'io tany io indray. Ho antsangako indray izy ireo, fa tsy ho simbaiko. Ho amboleko izy ireo, ary tsy ho fongorako. 7 Ary homeko fo mba ahafantatra Ahy, fa Izaho no Yaveh. Ho oloko izy ireo ary Izaho ho Andriamaniny, ka hitodika Amiko amin'ny fony manontolo izy ireo. 8 Fa tahaka ireo aviavy izay ratsy tokoa raha hohanina—dia izao no lazain'i Yaveh—tahaka izany fomba izany no hanaovako an'i Zedekia, mpanjakan'i Joda, miaraka amin'ireo manam-pahefany, ary ny Jerosalema sisa izay tavela amin'ity tany ity na mandeha mba hipetraka any amin'ny tany Egypta. 9 Ho avadiko ho zavatra mampitahotra izy ireo, ho loza, eo imason'ny fanjakan'ny tany rehetra, fahafaham-baraka sy ambentin-tenin'ohabolana, fitenenan-dratsy, ary ozona amin'ny toerana rehetra izay hitondrako azy ireo. 10 Handefa sabatra, mosary, ary areti-mandringana amin'izy ireo Aho, mandra-paharava azy ireo amin'ity tany izay nomeko azy ireo sy ny razambeny ity."
Ny teny "Indro," eto dia nahita zavatra mahaliana i Jeremiah.
Io ampahany amin'ny tantara io dia nampiasaina mba hanomezana fampahafantarana ara-tantara ampisehoana hoe oviana ilay tranga no niseho.
Olona manana traikefa amin'ny fanamboarana zavatra.
Olona manana traikefa amin'ny fanamboarana zavatra vita amin'ny vy.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Ireo aviavy tsara dia ireo sesitany Jodeana nalefa tany amin'ny tanin'i Kaldeana.
DH: "hitahy azy ireo Aho."
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ilay faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany. DH: "hanampy azy ireo mba ahomby any Kaldeana Aho."
Io fehezanteny io dia mampitaha ireo sesitany amin'ny trano avo izay ho atsangan'i Yaveh ary tsy ho arodany. DH: "Hanampy azy ireo hamokatra eo amin'ilay tany."
DH: "Hametraka azy ireo eo amin'ilay tany Aho, ary tsy hanala azy ireo."
DH: "izy ireo dia hitodika Amiko amin'ny heri'izy ireo manontolo"
Io fiteny io dia mampitaha ny aviavy ratsy amin'ny olon-dratsy. Ny aviavy ratsy dia ireo aviavy izay tsy azo hohanina ary tsy misy ilàna azy ny olon-dratsy dia tsy manaraka an'i Yaveh ary tsy misy ilàvana azy ihany koa.
Yaveh dia mampitaha ny fitsarana ny vahoakan'i Jeroselma ho avy amin'ny zavatra izay mampitahotra ny olona rehetra rehefa mahita izany izy.
DH: "ho vonoiko amin'ny ady, mosary sy aretina izy ireo."
DH: "Handefa ny tafik'ireo fahavalo Aho"
1 Izao no teny tonga tamin'ny Jeremia mahakasika ny olon'i Joda rehetra. Tonga izany tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima zanak'i Josia, mpanjakan'i Joda. Taona voalohany nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona izany. 2 Jeremia mpaminany nanambara izao tamin'ny olona rehetra tao Joda sy ny mponin'i Jerosalema rehetra. 3 Hoy izy hoe: "Nandritra ny telo amby roapolo taona, tamin'ny fahatelo ambin'ny folo taona nanjakan'i Josia zanak'i Amona, mpanjakan'i Joda mandrak'ankehitriny, dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh ary efa nolazaiko anareo hatrany hatrany, fa tsy nihaino ianareo. 4 Nandefa ireo mpaminany mpanompony rehetra ho eo aminareo hatrany hatrany i Yaveh, fa tsy nihaino azy ianareo na niraharaha. 5 Ireo mpaminany niteny hoe: 'Aoka ny olona tsirairay hiala amin'ny fomba ratsiny sy ny kolikoly fanaony ary hiverena any amin'ny tany izay nomen'i Yaveh ny razambenareo tamin'ny andro fahiny sy ho anareo, ho fanomezana maharitra. 6 Ka aza manaraka amin'ireo andriamanitra hafa mba hanompo na hiankohoka amin'izy ireo, ary aza miantsy Azy amin'ireo asan'ny tananareo mba tsy hanisiany ratsy anareo.' 7 Kanefa tsy nohenoinareo Aho—izao no fanambaran'i Yaveh—koa efa niantsy Ahy ianareo amin'ny asan'ny tananareo mba hanisy ratsy anareo. 8 Koa Yaveh Tompon'ny maro nilaza izao: 'Satria tsy nihaino ireo teniko ianareo, 9 indro, handefa didy hanangonana ny olona rehetra avy any avaratra Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—miaraka amin'i Nebokadnezara mpanompoko, mpanjakan'i Babylona, ary hitondra azy ireo hanohitra izao tany izao sy ireo mponiny Aho, ary hanohitra ireo firenena rehetra manodidina anareo. Fa ho atokako izy ireo amin'ny fandringanana. Ho avadiko ho horohoro, sy zavatra mampisiotsioka, ary faharavana tsy misy fahataperana izy ireo. 10 Hatsahatro ny feon'ny fifaliana ary ny feon'ny firavoravoana, ny feon'ny mpampakatra ary ny feon'ny ampakarina, ny feon'ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan'ny jiro. 11 Dia ho tonga faharavana sy horohoro ity tany rehetra ity, ary ireo firenena ireo hanompo ny mpanjakan'i Babylona mandritra ny fitopolo taona. 12 Ary rehefa feno ny fitopolo taona, dia ho faiziko ny mpanjakan'i Babylona sy izany firenena izany, dia ny tanin'ireo Kaldeana—izany no fanambaran'i Yaveh—noho ny helok'izy ireo ary ho ataoko ho faharavana tsy misy fahataperana izany. 13 Koa ho tanterahiko amin'izany tany izany ny teny rehetra izay efa nolazaiko, ary ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ity boky izay naminanian'i Jeremia hanoherana ireo firenena rehetra ity. 14 Fa hamoaka ireo andevo ao amin'ireo firenena ireo koa ny firenena maro hafa sy ireo mpanjaka lehibe maro hafa. Ho valiako araka ny ataony sy araka ny asan'ny tanany avy izy ireo. 15 Fa Yaveh, Andriamanitr'Israely, nilaza izany tamiko manao hoe: "Raiso ety an-tanako ity kapoakan-divain'ny fahatezerana ity ary aoka ireo firenena rehetra izay anirahako anao hisotro izany. 16 Fa hisotro izy ireo sy ho tafintohina noho izany ary hivembena toy ny adala anoloan'ny sabatra izay alefako eo amin'izy ireo." 17 Koa dia noraisiko avy teo an-tanan'i Yaveh ny kapaoka, ary nampisotroiko izany ny firenena rehetra izay nalefan'i Yaveh ahy: 18 dia i Jerosalema, ireo tanàn-dehiben'i Joda sy ny mpanjakany ary ireo manam-pahefana—mba hamadika azy ireo ho faharavana sy zavatra mampatahotra, sy zavatra mampisiotsioka sy fanozonana, tahaka azy ireo amin'izao andro izao. 19 Tsy maintsy nisotro izany koa Ireo firenena hafa: Farao mpanjakan'i Egypta sy ireo mpanompony; ireo manam-pahefany sy ny vahokany; 20 ny olona rehetra samy hafa fiaviana sy ireo mpanjaka rehetra avy amin'ny tanin'i Oza; ireo mpanjaka avy amin'ny tanin'ny Filistia rehetra—Askelona, Gaza, Ekron, ary ny sisa any Asdoda; 21 Edoma sy Moaba ary ny vahoakan'i Amona. 22 Ireo mpanjakan'i Tyro sy Sidona, ireo mpanjakan'ny moron-tsiraka eny ampitan'ny ranomasina, 23 Dedana, Tema, ary Boza miaraka amin'ireo olona rehetra izay nanapaka ny sisin'ny volondohan'izy ireo, tsy maintsy nisotro izany ihany koa izy ireo. 24 Ireto olona ireto dia tsy maintsy nisotro izany ihany koa: ny mpanjakan'i Arabia rehetra ary ny mpanjakan'ny vahoaka samy hafa fiaviana rehetra izay monina any an'efitra; 25 ny mpanjakan'i Zimry rehetra, ny mpanjakan'i Elama rehetra, ary ny mpanjakan'i Media rehetra; 26 ny mpanjakan'ny avaratra rehetra, na ny akaiky ary na ny lavitra—ny olona tsirairay miaraka amin'ny rahalahiny ary ny fanjakana rehetra eo amin'izao tontolo izao izay eo ambonin'ny tany. Tao aorian'izy rehetra ireo dia ny mpanjakan'i Babylona no hisotro farany. 27 Nilaza tamiko Yaveh hoe: "Ankehitriny tsy maintsy hilaza amin'izy ireo ianao hoe: 'Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, nilaza izao: misotroa ary mimamoa, ary mandoava, mianjerà, ary aza mitsangana manoloana ny sabatra izay nalefako eo aminareo.' 28 Ary raha mandà tsy handray ilay kapoaka ho sotroina eny an-tananao izy ireo, dia lazao izy ireo hoe: 'nilaza izao Yaveh tompon'ny maro hoe: tsy maintsy misotro izany tokoa ianareo. 29 Fa indro, hitondra loza eo amin'ilay tanàna izay nantsoina tamin'ny anarako Aho, dia tokony ho afaka amin'ny famaizana ve ianareo? Tsy ho afaka ianareo, satria hiantso ny sabatra hanohitra ny mponina rehetra amin'ilay tany Aho! —izany no fanambaran' i Yaveh Tompon'ny maro.' 30 Tsy maintsy maminany ireo teny rehetra amin'izy ireo ianao, ary lazao azy ireo hoe: 'Hierona avy any amin'ny avo i Yaveh ary hanandratra ny feony avy eny amin'ny fitoerany masina, ary hierona mafy amin'ny fiforetany Izy; ary hihiaka Izy, tahaka ireo izay manitsakitsaka ny voaloboka manohitra ireo rehetra izay miaina eto tany. 31 Ny feon'ady hanakoako hatrany amparan'ny tany, fa Yaveh mitondra fiampangana amin'ireo firenena, ary mitondra fitsarana eo amin'ny nofo rehetra Izy. Hanolotra ireo ratsy fanahy eo amin'ny sabatra Izy—izany no fanambaran'i Yaveh.' 32 Yaveh Tompon'ny maro nilaza izao hoe: 'Indro, hivoaka hitety firenena ny loza, ary miala avy any amin'ny faritra lavitra indrindra amin'ny tany ny tafio-drivotra mahery. 33 Ary ireo izay novonoin'i Yaveh amin'izany andro izany dia hihitatra hatrany amin'ny fiafaran'ny tany iray ka hatramin'ny ilany hafa; tsy hisaonana izy ireo, na hoangonina, na ho alevina. Ho tahaka ny zezika eo ambonin'ny tany izy ireo. 34 Midradradradrà, ry mpiandry ondry, ary miantsoa vonjy! Mihodikodina eo amin'ny vovoka, ianareo ry mpitarika ny ondry, fa efa tonga ny andro famonoana anareo; hiparitaka toy ny vilany manify ianareo rehefa mianjera. 35 Tsy misy fialofana ho an'ireo mpiandry ondry, tsy ho afa-mandositra ireo mpitarika ny ondry. 36 Henoy ny tomanin'ireo mpiandry ondry sy ny fidradradradran'ireo mpitarik'ondry, fa simbain'i Yaveh ny ahitr'izy ireo. 37 Koa ho ravarava ireo ahitra noho fasiahan'ny fahatezeran'i Yaveh. 38 Tahaka ny liona tanora, nandao ny zohiny izy, satria ny tanin'izy ireo dia ho tonga horohoro noho ny fahatezeran'ny mpampahory, noho ny firehetan'ny fahatezerany." [1]
Ireo no farany tamin'ireo Israelita. Ny fanjakana tafavaratra dia efa rava.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 7:24.
DH: "Efa nanome ahy ny teny ho ambarako aminareo Yaveh"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 11:6.
Ny teny "fomba ratsy" sy "kolikoly fanaony" dia mitovy ny dikany ary samy manondro ny fomba ratsy izay fanaon'izy ireo.
DH: "mba ahafahanareo miverina any amin'ilay tany izay nampanantenain'i Yaveh ho anareo ary hipetrahanareo mandrakizay"
DH: "aza manao izay maha tezitra an'i Yaveh amin'ireo asa ratsinareo ka hanasaziany anareo"
DH: "tsy nankato Ahy ianareo"
Andriamanitra dia nikasa ny ampiasa an'i Nebokadnezara sy ny tafiny mba hanasaziana an'Israely sy ireo firenena manodidina tamin'ny fanoeran'izy ireo an'i Yaveh.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:17.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 18:15.
Ireo dia vato lehibe roa, boribory nampiasaina mba hikosohana vary.
Voatery hanao fahatsiarovana ary namidy ho andevo.
DH: "rehefa feno ny sazin'izy ireo"
Nanao fianianana hanova an'i Babylona ho toy ny tany efitra Yaveh.
Andriamanitra dia hanome azy ireo ny sazy nampizakain'izy ireo ireo firenena hafa resiny.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy fa Yaveh dia manondro ny zava-drehetra izay efa vitan'izy ireo tamin'ireo firenena hafa. DH: "ny zavatra rehetra efa vitan'izy ireo."
Nandidy fanasaziana Yaveh hanombohana azy.
DH: "hampiaina izany an'ireo firenena"
Ireo izay miaina ny vokatry ny sazy mahery vaika an'i Yaveh dia ho toy ny olona adala.
Ity andalana ity dia manohy ny sarintenin'ny fahatezeran'Andriamanitra ho toy rano izay ho araraka.
Ny fisotrona amin'ny kapoakan-divay dia manamarika ny fitsaran'Andriamanitra.
DH: "mba hamotehaa azy ireo"
DH: "ho ankahalaina na hozonina"
Hita mazava izany fa nisy fotoana teo anelanelan'ny nanoratana izany sy ny nitrangan'izany.
Mitanisa ny firenena rehetra izay ho tsaraina i Jeremia
Io dia manondro ireo olona manana ray aman-dreny avy amin'ny fiaviana roa samy hafa. DH: "olona mifangaro"
Manohy mitanisa ny firenena rehetra izay ho tsaraina i Jeremia.
Io dia manondro ny ranomasina Mediteraneana.
Io dia manondro ilay kapoakan-divay tao amin'ny fahitan'i Jeremia izay mari-pamantarana ny fitsaran'Andriamanitra.
DH: "ireo mpanjaka avy any avaratra"
Mitohy ny fahitana izay nomen'Andriamanitra an'i Jeremia mpaminany.
Io dia mampiseho ny sazy ho avy izay tsy azo hialana sy ny maha zava-poana ny fialana amin'izany.
DH: "ny sazinareo"
Io dia tsy kapoaka izay azon'ireo firenena ho lavina ny misotro azy. Ireo firenena dia tsy mahazo mandà ny fitsaran'Andriamanitra amin'ny ady sy ny loza voajanahary.
DH: "tsy ho saziana"
DH: "ny vahoakan'i Jerosalema"
DH: "ianareo dia tsy maintsy ho saziana"
DH: "hanasazy ireo izay miaina eo amin'ilay tany Aho"
Ny firenena malaza rehetra dia hiaina ny fitsaran'Andriamanitra.
DH: "ny olombelona rehetra" na "ny olona rehetra"
DH: "hamono ireo olona ratsy fanahy"
DH: "Henoy izao!" Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 5:14.
DH: "ho avy ny faharavana"
DH: "amin'izany andro izany dia handrakotra ny tany manontolo"
Ireto avy ny azo andikana azy 1) Mety hisy olona vitsy na tsy hisy mihitsy handevina ireo izay novonoin'i Yaveh na 2) tsy hisy firarahina tanteraka ny vata-mangatsiakan'ireo nodimandry.
Io dia manondro ireo mpitarik'Israely.
Io dia fanehoana alahelo, fisaonana na fahoriana.
DH: "fa efa tonga ny fotoana"
DH: "ho potika mora foana ianareo"
Tsy hisy toerana fiafenana azo hitsoahana amin'ity fitsarana na fandravana ity.
Ny fitsaran'Andriamanitra dia ho eo amin'ireo mpitarika sy ny vahoaka, tsy hisy hamindrana fo.
Eto ny "ahitra" dia manondrony firenena rehetra.
DH: "ho ravainy ny firenena manontolo"
Ny fahatezeran'i Yaveh dia resahina toy ny hoe zavatra iray. DH: "tezitra Yaveh"
Tsy toy ny andininy hafa izay nahitana an'Andriamanitra ho liona mpiaro an'Israely, amin'ity andalana ity Andriamanitra dia lasa toy ny liona mba hanasaziana an'Israely. DH: "ho avy toy ny liona tanora Yaveh hamadika ny tanin"ny olona ho lasa horohoro"
DH: "ny tanin'izy ireo dia ho lasa mahatsiravina" na "ny tanin'izy ireo dia ho lasa zavatra mampitahotra ny mijery azy"
Io dia manondro ny fahatezeran'ireo fahavalon'Israely.
1 Tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Joiakima zanaka lahin'i Josia, dia tonga avy amin'i Yaveh izao teny izao, nanao hoe: 2 "Yaveh niteny hoe: "Mitsangàna eo amin'ny kianjan'ny tranoko ary lazao amin'ny tanànan'i Joda rehetra izay tonga hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranoko. Ambarao ny teny rehetra izay nandidiko anao ho lazainao amin'izy ireo. Aza misy teny hanalana! 3 Angamba mba hihaino izy ireo, ka hiala amin'ireo lalan-dratsiny ny olona tsirairay, ka hihazona ny loza izay efa nokasaiko ho entina eo amin'izy ireo nohon'ny faharatsian'ny fomba fanaon'izy ireo Aho. 4 Koa tsy maintsy milaza amin'izy ireo ianao hoe:'Izao no nambaran'i Yaveh: Raha tsy mihaino ahy ianareo ka tsy mandeha araka ny lalàko izay napetrako teo anatrehanareo— 5 raha tsy mihaino ny tenin'ireo mpaminany mpanompoko ianareo izay nikirizako nalefa taminareo ianareo— fa tsy nihaino ianareo! — 6 dia ho ataoko tahaka an'i Silo ity trano ity; ho ataoko ozona eo imason'ireo firenena rehetra eran'ny tany ity tanàna ity.'" 7 Ireo mpisorona, ireo mpaminany, sy ny olona rehetra dia naheno an'i Jeremiah nanambara izany teny izany tao an-tranon'i Yaveh. 8 Ary raha vao nifarana ny fanambaran'i Jeremia ny teny rehetra izay nandidin'i Yaveh azy ho lazainy tamin'ny olona rehetra, dia nisambotra azy ireo mpisorona, ireo mpaminany, sy ny olona rehetra ka nanao hoe: "tena ho faty ianao! 9 Nahoana ianao no naminany tamin'ny anaran'i Yaveh ary nilaza fa ity trano ity dia ho tonga tahaka an'i Silo ary ity tanàna ity dia ho lao, ary tsy hisy mponina? Fa ny vahoaka rehetra nitangorona nanohitra an'i Jeremia tao an-tranon'i Yaveh. 10 Ary naheno izany teny izany ireo manam-pahefan'i Joda ary niakatra avy any an-tranon'ny mpanjaka ho any an-tranon'i Yaveh. Nipetraka teo am-bavahady teo amin'ny Vavahady Vaovaon'ny tranon'i Yaveh izy ireo. 11 Ireo mpisorona sy ireo mpaminany niresaka tamin'ireo manam-pahefana sy ny olona rehetra. Hoy izy ireo: "Rariny ho an'ity lehilahy ity ny ho faty, fa naminany nanohitra ity tanàna ity izy, araka izay renareo tamin'ny sofinareo!" 12 Koa niresaka tamin'ireo manam-pahefana rehetra sy ny vahoaka rehetra i Jeremia ka nilaza hoe: "Yaveh no nandefa ahy haminany hanohitra ity trano sy tanàna ity, mba hilaza ny teny rehetra izay efa renareo. 13 Koa ankehitriny, hatsarao ny lalanareo sy ny fanaonareo, ary mihainoa ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo mba hanenenany ny mahakasika ny loza izay nambarany hanoherana anareo. 14 Izaho mihintsy no eo an-tananareo_jereo aho! Ataovy amiko izay tsara sy marina eo imasonareo. 15 Fa tokony ho fantatrareo tokoa fa raha mamono ahy ianareo, dia hitondra rà marina ho an'ny tenanareo sy ho an'ity tanàna ity sy ny mponina ao aminy, fa Yaveh tokoa no nandefa ahy teo aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo ho ren'ny sofinareo. 16 Ary ireo manam-pahefana sy ny olona rehetra niteny tamin'ireo mpisorona sy ireo mpaminany hoe: "Tsy mendrika ny ho faty ity lehilahy ity satria nanambara zavatra tamintsika tamin'ny anaran'i Yaveh Andriamanitsika izy." 17 Koa dia nitsangana ireo loholon'ny tany ka niteny tamin'ny fiangonan'ny olona manontolo. 18 Hoy izy ireo hoe: "Mika Morastita dia naminany tamin'ny andron'i Hezekia mpanjakan'ny Joda. Niresaka tamin'ny vahoakan'i Joda rehetra izy ka nanao hoe: 'Yaveh Tompon'ny maro nilaza izao: ho hasaina tahaka ny saha i Ziona, ho tonga korontam-bato iJerosalema, ary ny tendrombohitrin'ny tempoly dia ho tonga havoana rakotra kirihitrala.' 19 Namono azy ve i Hezekia mpanjakan'ny Joda sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an'i Yaveh ve izy ka nampitony ny tavan'i Yaveh mba hanajanonan'i Yaveh ny loza izay efa nambarany azy ireo? Koa hanao zava-dratsy lehibe amin'ny aintsika ihany ve isika?" 20 Teo anilan'izany ihany koa dia nisy lehilahy hafa izay naminany tamin'ny anaran'i Yaveh—Oria zanaka lahin'i Semaia avy amin'i Kiriata Jearima—izy koa dia naminany hanohitra ity tanàna sy tany ity, nifanaraka tamin'ny tenin'i Jeremia rehetra. 21 Fa rehefa ren'i Joiakima mpanjaka sy ny miaramilany rehetra sy ny manam-pahefany ny teniny, dia niezaka ny hamono azy ny mpanjaka, saingy nandre izany i Oria ka natahotra, dia nandositra ary lasa nankany Egypta. 22 Ary nandefa lehilahy ho any Egypta ny mpanjaka Joiakima—Elnatana zanaka lahin'i Akbora sy lehilahy handeha ho any Egypta hanaraka an'i Oria. 23 Nalain'izy ireo hivoaka avy tao Egypta i Oria ary nentina teo amin'i Joiakima mpanjaka izy. Ary dia novonoin'i Joiakima tamin'ny sabatra izy ary nalefany tany amin'ireo fasan'ny olon-tsotra ny fatiny. 24 Fa ny tanan'i Ahikama zanaka lahin'i Safana dia niaraka tamin'i Jeremia, ka tsy natolotra teo ampelan-tanan'ny vahoaka mba ho vonoina izy.
DH: "ireo olona avy amin'ireo tanànan'i Joda"
DH: "aza misy hanalana izay zavatra nolazaiko anao!"
Io dia fandravana misy fepetra. Raha mibebaka i Joda, dia tsy hamotika azy ireo Andriamanitra fa hanasitrana azy ireo.
DH: "raha tsy mankato Ahy sy ny lalàna izay nomeko anareo ianareo"
"dia ho potehiko ny tempoly"
Io dia manondro ny famaizana izay ho ataon'i Yaveh amoin'i Jerosalema.
DH: "fa ho vavolombelon'izany ny firenena rehetra"
Ireto avy no mety ho heviny 1) Nisafidy ny hino ilay laingan'ny fiadanana tsy tena izy ny olona ary tsy te hiatrika ny marina 2) Nino ireo mpaminany hafa nanambara fiadanana ny olona ary nandray an'i Jeremia ho mpaminany sandoka izay tokony ho toraham-bato amin'ny fitarihana ny olona amin'ny lalan-diso.
Io dia fibedesana . DH: "tsy tokony naminany amin'ny anaran'i Yaveh hoe ho rava ny tempoliny"
Ny manam-pahefana dia olona izay manana toerana eo amin'ny fahefana.
Io dia fidirana mazava mankao amin'ny tempoly.
DH: "henonareo"
"ny olona ao amin'ny tempolin'i Yaveh sy ny tanànan'i Jerosalema"
Niverina nanao sorona fanatitra tamin'i Yaveh ny olona mba ampitoniana Azy. Saingy tsy liana tamin'ny fanarahana ny lalàny na ny hafantatra azy izy ireo.
DH:"nankatoa an-i Yaveh"
Ny teny "tsara" sy "marina" eto dia mitovy ny dikany. DH: "ataovy amiko izay rehetra eritreretinao fa zavatra tsara atao amiko"
Ireo lohololna dia niaiky fa ny hafatr'i Jeremia dia avy amin'i Yaveh.
"tamin'ny fahefan'i Yaveh Andriamanintsika"
DH: "ho ravaina i Ziona"
Io dia manondro ny tendrombohitra izay misy ny tempoly.
Io dia manondro fitangoronana bozaka na hazo kely maniry miaraka.
DH: "tsy namono azy i Hezekia mpanjakan'ny Joda sy ny Joda rehetra."
DH: "Natahotra an'i Yaveh izy ary nampitony Azy mba hiovany hevitra mahakasika ilay loza izay nolazainy fa ho alefany."
DH: "nampihena ny hatezeran'i Yaveh"
DH: "raha mamono an'i Jeremia isika , dia hitondra loza amin'ny tenantsika ihany."
Nisy mpaminany faharoa, i Oria, nanamafy ny tenin'i Jeremia.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 26:16.
DH: "manam-pahefany nihaino izay nolazain'i Oria"
Maty tamin'ny fahafatesan'ny mpaminany tany Jerosalema i Oria.
"Ny vata mangatsiakany"
Nanohana an'i Jeremia i Ahikama ary niaro azy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
"ka tsy afaka ny namono azy ny olona"
1 Tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Zekedia zanaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda, dia tonga tamin'i Jeremia ity teny avy amin'i Yaveh ity. [1]2 Izao no nolazain'i Yaveh tamiko hoe: "Manamboara famatorana sy zioga ho an'ny tenanao. Apetraho eo amin'ny hatokao ireo. 3 Avy eo dia alefaso any amin'ny mpanjakan'i Edoma, mpanjakan'i Moaba, mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, mpanjakan'i Tyro, ary amin'ny mpanjakan'i Sidona ireo. Alefaso amin'ny alalan'ny tanan'ireo masoivohon'ny mpanjaka izay tonga tao Jerosalema ho any amin'i Zedekia mpanjakan'i Joda ireo. 4 Omeo baiko izy ireo ho an'ireo tompon'izy ireo ary lazao hoe: "Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia nanambara izao: Izao no tsy maintsy ho lazainareo amin'ireo tomponareo: 5 "Izaho tenako dia nanao ny tany tamin'ny alalan'ny heriko lehibe sy ny sandriko nitsangana. Izaho ihany koa no nanao ny olona sy ireo biby eo ambonin'ny tany, ary nomeko an'izay marina teo imasoko izany. 6 Koa ankehitriny, Izaho tenako dia hanome ireo tany rehetra ireo ho eo am-pelan-tanan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko. Omeko azy ihany koa ireo zava-manan'aina eny an-tsaha mba hanompo azy. 7 Fa ny firenena rehetra dia hanompo azy, ireo zanany lahy, ary ireo zafikeliny mandra-pihavin'ny fotoanan'ny taniny. Ary hisy firenena maro sy mpanjaka lehibe handresy azy. 8 Noho izany ny firenena sy ny fanjakana izay tsy manompo an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary tsy mametraka ny hatony ao ambanin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona—dia ho saziako amin'ny sabatra, mosary, ary aretin-mandringana izany firenena izany—izany no fanambaran'i Yaveh—mandra-paharavako azy ireo amin'ny alalan'ny tanany. 9 Koa aza mihaino an'ireo mpilaza ny ho avy, ireo mpisikidinareo, ireo mpahitanareo, ireo mpijery ny ho avy, ary ireo mpamosavy, izay niresaka taminareo ary nilaza hoe: 'Aza manompo ny mpanjakan'i Babylon.' 10 Fa izy ireo dia maminany lainga aminareo mba handefasana anareo lavitra ny taninareo, fa ho roahiko ianareo, ary ho faty ianareo. 11 Fa ireo firenena izay mametraka ny hatony ao ambanin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ka manompo azy, dia ho avelako hijanona eo amin'ny taniny izany—izany no fanambaran'i Yaveh—ary hamboly eo amin'izany izy ireo ary hanorina ny tranon'izy ireo eo amin'izany."" 12 Koa niresaka tamin'i Zedekia mpanjakan'i joda Aho ary nanome azy izao hafatra izao: "Apetraho ao ambanin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ny hatokareo ary manompoa azy sy ny vahoakany, ary ho velona ianareo. 13 Nahoana ianareo no ho faty—ianao sy ny vahoakanao—amin'ny alalan'ny sabatra, mosary, sy ny aretin-mandringana, tahaka ny efa nambarako momban'ny firenena izay mandà ny hanompo ny mpanjakan'i Babylona? 14 Aza mihaino ny tenin'ireo mpaminany izay miresaka aminareo ary milaza hoe: 'Aza manompo ny mpanjakan'i Babylona,' satria maminany lainga aminareo izy ireo. 15 'Fa tsy nandefa azy ireo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—fa izy ireo dia maminany fitaka amin'ny anarako mba handroahako anareo ka ho faty ianareo, ianareo sy ireo mpaminany izay naminany taminareo.'" 16 Nambarako tamin'ireo mpisorona sy ny olona rehetra izany ary nanao hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: Aza mihaino ny tenin'ireo mpaminaninareo izay maminany aminareo ary manao hoe: 'Indro! Ireo zavatra tao an'ny tranon'i Yaveh dia naverina tany Babylona ankehitriny!' Maminany lainga aminareo izy ireo. 17 Aza mihaino azy ireo. Tokony hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo ary ho velona. Nahoana no tokony ho rava ity tanàna ity? 18 Raha mpaminany izy ireo, ary raha tonga tamin'izy ireo marina ny tenin'i Yaveh, dia aoka izy ireo hitalao amin'i Yaveh tompon'ny maro mba tsy handefa amin'i Babylona ireo zavatra izay tavela ao an-tranony, ilay tranon'ny mpanjakan'i Joda, sy Jerosalema. 19 Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao momban'ireo andry, ny tavin-drano lehibe, sy ny fitoeran'ny tavin-drano, ary ny ambin'ireo zavatra izay tavela ao amin'io tanàna io— 20 ireo zavatra izay tsy noraisin'i Nebokadnezara rehefa nilanja an'i Jekonia zanaka lahin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, ho babo avy any Jerosalema ho any Babylona niaraka tamin'ireo manan-kajan'i Joda sy Jerosalema. 21 Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao momban'ireo zavatra izay tavela ao amin'ny tranon'i Yaveh, ilay tranon'ny mpanjakan'i Joda, sy Jerosalema hoe: 22 'Ho entina any Babylona ireo, ary hipetraka any mandra-pahatongan'ny andro hiaviako ho azy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—avy eo Aho hitondra ireo hiakatra ary hamerina ireo any amin'io toerana io.'"
Io dia fitaovana hitazomana ny olona tsy hitsaoka.
Jeremia dia nandefa famatorana sy zioga ho an'ny mpanjaka notanisaina tsirairay avy.
Eto ny "tanana" dia midika fitaovana nampiasain'ireo masoivoho.
Nahazo baiko hanome rojo vy sy zioga isaky ny masoivoho i Jeremia ary hafatra isaky ny mpanjaka araka ny isan'ireo rojo vy sy zioga.
Ny andian-teny "sandriko nitsangana" dia manondro ny fahefana lehibe ary manamafy ilay fehezanteny voalohany. DH: "tamin'ny alalan'ny fahefako lehibe."
"izany dia nomeko an'izay naniry azy."
Ho lasa mahery ka handresy an'i i Babylona.
Ireo izay tsy nianiana hankatoa an'i Nebokadnezara mpanjaka ary tsy mandoa hetra tamin'ny mpanjaka.
Io andian-teny io dia manondro an'i Nebokadnezara sy ireo tafiny.
DH: "izany no nolazain'i Yaveh fa hitranga"
Nanohy niresaka tamin'ny vahoakan'i Joda tamin'ny alalan'i Jeremia Yaveh
Ny mpilaza ny ho avy dia olona izay mamantatra ny ho avy.
DH: "Fa ny firenena izay manompo ny mpanjaka"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Io dia midika fa manomana sy ampiasa ny tany mba hamokarana sakafo
DH: "hanao an'i Babylona ho tranon'izy ireo"
Nanohy niresaka tamin'ny vahoakan'i Joda tamin'ny alalan'i Jeremia Yaveh.
Andriamanitra dia mangataka amin'i Joda mba hankatoa sy hanompo an'i Babylona ho mpanjakn'izy ireo.
DH: "Ho fatin'ny sabatra, mosary, ary areti-mandringana, tahaka ny efa nambarako ianareo, ianareo sy ny vahoakanareo, raha tsy manompo ny mpanjakan'i Babylona"
Nanohy niresaka tamin'ny vahoakan'i Joda tamin'ny alalan'i Jeremia Yaveh.
Mampitandrina ireo olona momban'ireo mpaminany sandoka izay tsy nalefany ary nandainga tamin'izy ireo Yaveh.
"Fa tsy naniraka azy ireo Aho"
Io andian-teny io dia midika fa miteny amin'ny alalan'ny hery sy fahefan'i Yaveh.
"Ho alefako hiala lavitra amin'ny firenenareo ianareo"
Manohy miresaka ny tenin'i Yaveh i Jeremia.
"Nentin'ireo olona avy any Babylona niverina ny fanaka volamena rehetra izay nalain'izy ireo tao amin'ny tempolin'i Yaveh!"
"ity firenena rehetra ity dia ho potehina."
Raha marina ny zavatra lazain'izy ireo, dia tokony hivavaka izy ireo mba tsy handalo ny teniko ary ireo fitaovana ao amin'ny tempoly sy ireo mpitarika mba hitoetra ao Jerosalema.
Manohy ny fitondrana ny hafatr'i Yaveh i Jeremia.
Ireo dia fitaovana izay tao amin'ny tempoly. Ny "tavin-drano lehibe" dia koveta vita Tamin'ny varahina.
Manohy miresaka ny tenin'i Yaveh i Jeremia.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
1 Tamin'izany taona izany, tamin'ny fiantombohan'ny fanjakan'i Zedekia mpanjakan'i Joda, tamin'ny fahefa-taona sy fahadimin'ny volana, Hanania zanaka lahin'i Azora mpaminany, izay avy any Gibeona, dia niteny tamiko tao an-tranon'i Yaveh teo anatrehan'ireo mpaminany sy ny vahoaka rehetra. Hoy izy hoe: 2 "Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, milaza izao: Efa novakiako ny zioga izay napetraky ny mpanjakan'i Babylona. 3 Ao anatin'ny roa taona dia haveriko eto amin'ity toerana ity ireo zavatra rehetra tao an-tranon'i Yaveh izay nalain'i Nebokadnezara mpanjaka an'i Babylona teto amin'ity toerana ity ka notaominy nankany Babylona. 4 Ary dia ho entiko miverina amin'ity toerana ity i Jekonia zanaka lahin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, ary ireo babo rehetra izay nirahina nankany Babylona—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hamotika ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona aho." 5 Koa niteny tamin'i Hanania mpaminany teo anatrehan'ireo mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay nijoro tao an-tranon'Yaveh i Jeremia mpaminany. 6 Hoy Jeremia mpaminany hoe: "Hanao izany anie Yaveh! Yaveh anie hanamafy ireo teny izay naminanianao ka hamerina ireo zavatrin'ny tranon'i Yaveh eto amin'ity toerana ity, sy ireo babo rehetra avy any Babylona. 7 Na izany aza, mihainoa izao teny izay ambarako eo an-tsofinao sy eo an-tsofin'ny vahoaka rehetra. 8 Ireo mpaminany izay nisy teo alohako sy teo alohanao taloha ela be ihany koa dia naminany mahakasika ireo firenena maro sy hanohitra ireo fanjakana lehibe, momban'ny ady, mosary, ary ny areti-mandringana. 9 Fa ny mpaminany izay maminany fa hisy fiadanana—raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra fa mpaminany nirahan'i Yaveh tokoa izy." 10 Fa noraisin'i Hanania mpaminany ilay zioga teny an-tendan'i Jeremia mpaminany ary novakiany izany. 11 Avy eo dia niteny teo anatrehan'ny vahoaka rehetra i Hanania ka nanao hoe: "izao no tenin'Yaveh: Tahaka izany koa, ao anatin'ny roa taona dia ho vakiako avokoa ireo zioga izay napetrak'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona teo an-tendan'ny firenena rehetra." Dia nizotra tamin'ny lalany i Jeremia mpaminany. 12 Taorian'ny namotehan'i Hanania mpaminany ny zioga teo amin'ny tendan'i Jeremia mpaminany, dia tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 13 "Mandehana ary miresaha amin'i Hanania ary lazao hoe: 'izao no lazain'i Yaveh: namaky zioga hazo Ianao, fa Izaho kosa hanao zioga vy.' 14 Fa izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Efa nametraka zioga vy tamin'ny tendan'ireo firenena rehetra izay manompo an'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona ireo Aho, ka hanompo azy izy ireo. Efa nanome azy bibidia ihany koa Aho mba hanapaka eo aminy." 15 Taorian'izany i Jeremia mpaminany dia niteny tamin'i Hanania mpaminany hoe: "Mihainoa ry Hanania! Tsy naniraka anao i Yaveh, fa ianao tenanao no nahatonga ireo vahoaka hino lainga. 16 Koa izao no lazain'i Yaveh: Indro, hanala anao eto an-tany Aho. Ho faty amin'ity taona ity ianao, satria nanambara fikomiana an'i Yaveh ianao." 17 Tamin'ny fahafiton'ny volan'izany taona izany ihany, dia maty i Hanania mpaminany.
Mitaraina hiresaka amin'Andriamanitra i Hanania.
Io dia fahadimin'ny volana amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny vanim-potoana maina. Mandritra ny tapany farany amin'ny volana Jolay sy ny fiandohan'ny volana Aogositra amin'ny tetiandro tandrefana. DH: "tamin'ny fahadimin'ny volona tamin'ny taona fahefatrany"
DH: "Nanatsahatra ny fitondran'ny mpanjakan'i Babylona"
Nanohy niteny i Hanania.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
DH: "Ireo maminany izay niaina teo alohano sy teo alohako taona maro tany aloha"
DH: "dia ho fantatrao fa tena mpaminan'i Yaveh izy"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Io dia ny volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny tapany faran'ny volana Septembra ary fiandohan'ny volana Oktobra amin'ny tetiandro tandrefana.
1 Ireto ny teny tao amin'ilay horonan-taratasy izay nalefan'i Jeremia mpaminany avy any Jerosalema ho an'ireo loholona sisa tavela tamin'ireo babo sy tamin'ireo mpisorona, ireo mpaminany, ary ireo vahoaka izay nataon'i Nebokadnezara sesitany avy any Jerosalema nankany Babylona. 2 Izany dia taorian'ny nandefasana an'i Jekonia mpanjaka, sy ny reny mpanjaka vavy, sy ireo manam-pahefana ambony, ny mpitarika an'i Joda sy Jerosalema, ary ireo mpanao asa-tanana tany Jerosalema. 3 Nampitondrainy an'i Elasa zanak'i Safana ary Gemaria zanak'i Hilkia izay nirahin'i Zedekia mpanjakan'i Joda, tany amin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, ilay horonan-taratasy. 4 Izao no lazain'ilay horonan-taratasy: "Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, milaza izao amin'ireo babo rehetra izay nataoko sesitany avy tany Jerosalema ho any Babylona: 5 'Manamboara trano ary mitoera ao amin'ireo. Mambole zaridaina ary hano ny voan'ireo. 6 Makà vady ary miteraha zanaka lahy sy zanaka vavy. Dia hakao vady ireo zanakareo lahy, ary tolory vady ireo zanakareo vavy. Aoka izy ireo hiteraka zanaka lahy sy zanaka vavy ary ampitomboy ireo mba tsy hanjary ho vitsy loatra ianareo. 7 Katsaho ny fiadanan'ny tanàna izay nanaovako anareo ho sesitany, ary mivavaha amiko ho an'izany satria hisy fiadanana ho anao ao raha ao ny fiadanana.' 8 Fa Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia nilaza izao: 'Aza mamela an'ireo mpaminany izay eo anivonareo sy ireo mpisikidy hamitaka anareo, ary aza mihaino ireo nofy izay nofisinareo. 9 Fa izy ireo dia maminany am-pitaka aminareo amin'ny anarako. Tsy nandefa azy ireo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh.' 10 Fa izao no nolazain'Yaveh: 'Rehefa nanapaka anareo nandritry ny fitopolo taona i Babylona, dia hanampy anareo Aho ary hanatanteraka ny teny soako ho anareo mba hamerenana anareo amin'ity toerana ity. 11 Fa Izaho tenako no mahafantatra ny fikasako ho anareo—izany no fanambaran'i Yaveh—fikasana fiadanana fa tsy loza, mba hanome ho avy sy ny fanantenana ho anareo. 12 Dia hiantso Ahy ianareo, ary andeha ka hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. 13 Fa hitady Ahy ianareo ka hahita Ahy, satria hitady Ahy amin'ny fonareo manontolo. 14 Ary ho hitanareo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—dia ho averiko ny harenareo; ho angoniko avy any amin'ny firenena sy toerana rehetra nampielezako anareo ianareo—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hamerina anareo any amin'ilay toerana izay nanaovako sesitany anareo Aho.' 15 Satria ianareo nilaza fa Yaveh dia nanandratra mpaminany ho anay any Babylona, 16 dia izao no lazain'i Yaveh amin'ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy amin'ireo olona rehetra izay mipetraka ao amin'izany tanàna izany, ireo rahalahinareo izay mbola tsy nivoaka ho babo niaraka taminareo— 17 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: 'Indro, handefa sabatra, mosary, sy aretina eo amin'izy ireo Aho. Fa ho ataoko toy ny aviavy lo izay tena ratsy raha hohanina izy ireo. 18 Dia hanenjika azy ireo amin'ny sabatra, mosary, sy areti-mandringana Aho ary hanao azy ireo ho mahatsiravina imason'ny fanjakan'ny tany rehetra—horohoro, fitaovana fanozonana sy mampisiotsioka, ary zavatra mahamenatra eo amin'ny firenena rehetra izay nampielezako azy. 19 Izany dia satria tsy nihaino ny teniko izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—izay nalefako azy ireo tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompoko. Nandefa azy ireo ombieny ombieny Aho, nefa tsy nihaino ianareo— izany no fanambaran'i Yaveh.' 20 Koa henoy ny tenin'i Yaveh, ianareo sesitany rehetra izay nalefany avy any Jerosalema ho any Babylona: 21 'Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia nilaza izao momba an'i Ahaba zanak'i Kolaia sy Zedekia zanak'i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin'ny anarako: Indro, hametraka azy ireo eo an-pelatanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona Aho. Hamono azy ireo eo imsonareo Izy. 22 Dia hisy ozona ho lazain'ireo babon'i Joda rehetra any Babylona momba ireo olona ireo. Ilay ozona dia hilaza hoe: Ho ataon'i Yaveh tahaka an'i Zedekia sy Ahaba anie ianareo, izay natonon'ny mpanjakan'ny Babylona tamin'ny afo. 23 Hiseho izany noho ireo zava-mahamenatra izay nataon'izy ireo tany Israely rehefa nijangajanga tamin'ny vadin'ny namany sy nilaza teny lainga tamin'ny anarako, zavatra izay tsy mbola nandidiko azy ireo ho lazaina mihitsy. Fa Izaho ilay mahalala; Izaho no vavolombelona—izany no fanambaran'i Yaveh.'" 24 "Raha ny amin'i Semaia Nehelamita, dia izao lazaina: 25 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely: Satria ianao nandefa taratasy tamin'ny anaranao ihany tamin'ny olona rehetra tany Jerosalema, tamin'i Zefania zanak'i Masaia mpisorona, ary tamin'ny mpisorona rehetra, ary niteny hoe: 26 "Yaveh nanao anareo ho mpisorona fa tsy Joiada mpisorona, mba hiandraiketanareo ny tranon'i Yaveh. Ianao no mifehy ny olona rehetra izay very saina sy manao ny tenan'izy ireo ho mpaminany. Tokony ho gadraina sy fatorana amin'ny rojo vy izy ireo. 27 Koa ankehitriny, Nahoana ianareo no tsy niteny mafy an'i Jeremia ny amin'i Anatota, izay manao ny tenany ho mpaminany manohitra anareo? 28 Fa efa naniraka ho anay tany Babylona izy ary niteny hoe: 'ho fotoana ela izany. Manorena trano ary mitoera ao amin'ireo, mambole zaridaina ary hano ny voan'ireo.'"' 29 Namaky ity taratasy ity i Zefania mpaminany teo an-tsofin'i Jeremia mpaminany. 30 Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 31 "Mandefasa teny amin'ireo sesitany rehetra ary lazao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh momba an'i Semaia Nehelamita: Satria efa naminany taminareo i Semaia rehefa tsy nandefa azy Izaho tenako, ary nitarika anareo hino ireo lainga, 32 noho izany dia izao no lazain'i Yaveh: Indro, efa hanafay an'i Semaia Nahalemita sy ireo taranany Aho. Tsy hisy olona hijanonany eo amin'ny oloko—izany no fanambaran'i Yaveh—fa efa nitory fikomiana hanohitra an'i Yaveh izy.'"
DH: "nambara ... avy any Jerosalema"
Io anarana io matetika dia nampiasaina hiantsoana ny renin'ny mpanjaka.
DH: "manam-pahefana tena manan-danja"
Ireo dia anaran-dehilahy.
DH: "izay nataony" na "izay nataon'i Yaveh"
Miteny azy ireo Yaveh fa izy ireo dia hiaina fotoana maharitra any.
DH: "ampanambadio ireo zanakareo lahy"
DH: "omeo alalana ireo zanakareo vady hanambady"
Miainà ampilaminana miaraka amin'ny olona rehetra. Ao anatin'izany ny tsy fanakorontanana sy fikomiana hanohitra ny fahefana.
Manohy miresaka amin'ireo Israelita tratra babo Yaveh.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Manohy miresaka momban'izay hitranga amin'ireo Israelita tratra babo Yaveh.
Io dia manondro ireo Israelita tratra babo.
DH: "70 taona"
Manohy miresaka momban'izay hitranga amin'ireo Israelita tratra babo Yaveh.
iIreo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy izay ho avalin'i Yaveh amin'ny vavak'izy ireo. DH: "mivavaha amiko."
Midika izany fa Yaveh dia hanome azy ireo izay nangatahan'izy ireo.
DH: "ho averiko hiatsara indray ny zava-drehetra ho anareo"
Miresaka amin'ireo Israelita tratra babo i Jeremia.
Io dia manondrony mpanjakan'i Joda izay iray amin'ireo taranak'i Davida.
DH: "Jereo" na "henoy" na "henoy ny zavatra izay ho lazaiko aminareo"
Ny "Sabatra" dia midika ho ady. DH: "hanasazy azy ireo Aho"
DH: "ho saziako mafy izy ireo" na "ho ataoko ratsy ny fiainan'izy ireo"
Ireo teny ireo dia mitovy avokoa ny dikany ary mamaritra ny fihetsem-pon'ireo firenena hafa rehefa nahita ny zavatra nataon'i Yaveh tamin'ny vahoakan'i Joda.
DH: "nankato"
Ireo dia anaran-dehilahy.
DH: "Jereo" na "henoy" na "henoy ny zavatra izay ho lazaiko aminareo".
DH: "hamela an'i Nebokadnezara handresy azy ireo Aho"
DH: "ireo tratra babon'i Joda dia hanozona ireo olona ireo"
DH: "nodorana ho faty"
Ireo fehezanteny ireo dia zavatra mitovy , ary naverin'i Yaveh ireo mba ho fanamafisana.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia anarana vondron'olona.
Ny "anarana" dia manondro ny fahefan'ny olona iray sy ny lazany. DH: "niainga tamin'ny fahefanao manokana sy ny lazany"
Ity no mamarana ny taratasin'i Semaia izay nalefany tany amin'ny olona tany Jerosalema.
DH: "tokony niteny mafy an'i Jeremia avy any Anatota ianareo, izay nanao ny tenany ho mpaminany hiteny anareo."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 29:4.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 29:24.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
1 Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia avy amin'i Yaveh dia manao hoe: 2 "Izao no lazain'i Yaveh, Andriamanitr'Israely: 'Soraty anaty horonan-taratasy ho anao ny teny rehetra izay nambarako taminao tao amin'ny horonan-taratasy. 3 Fa indro, ho avy ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hamerenako ny haren'ny oloko, dia Israely sy Joda. Izaho, Yaveh, no nilaza izany. Fa ho entiko miverina any amin'ny tany izay nomeko ny razany izy ireo, ary ho fananan'izy ireo izany."' 4 Izao no teny izay nambaran'i Yaveh mahakasika an'Israely sy Joda: 5 "Fa izao no lazain'i Yaveh: 'Nandre feo nangovitry ny horohoro izahay fa tsy fiadanana. 6 Manontania ary jereo raha misy lehilahy mitondra vohoka. Nahoana Aho no mahita ny tovolahy rehetra mametraka ny tanany eo am-balahany tahaka ny vehivavy mitondra vohoka? Nahoana no mihafotsy hatsatra avokoa ny tarehin'izy ireo? 7 Loza! Fa ho lehibe izany andro izany, ary tsy misy toy izany. Ho fotoan'ny tebiteby ho an'i Jakoba izany, saingy ho avotra amin'izany izy. 8 Fa amin'izany andro izany—izao no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—no hanapahako ny zioga hiala amin'ny vozonareo, ary hanorotoroko ny rojo vy anareo, ka tsy hanandevo anareo intsony ny vahiny. 9 Fa hivavaka amin'i Yaveh Andriamaniny izy ireo ary hanompo an'i Davida mpanjakany, izay hataoko mpanjaka eo amin'izy ireo. 10 Koa ianao, ry Jakoba mpanompoko, aza matahotra—izany no fanambaran'i Yaveh—ary aza raiki-tahotra, ry Israely. Fa indro, efa hitondra anao hiverina avy any lavitra Aho, ary ny taranakao any amin'ny tanin'ny fahababoana. Hiverina i Jakoba ary hiadana; hilamina izy, ary tsy hisy horohoro intsony. 11 Fa miaraka aminao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—mba hamonjy anao. Dia ho taperiko tanteraka ny amin'ireo firenena rehetra izay nampielezako anao. Fa tsy hanapitra anao tokoa Aho, na dia manafay anao amin'ny rariny aza Aho ka tsy hamela anao ho afa-maina.' 12 Fa izao no lazain'i Yaveh: 'Tsy azo sitranina ny ratranao; voaloto ny ferinao. 13 Tsy misy hisolo vava anao; tsy misy fanafody ho an'ny ratranao mba hanasitrana anao. 14 Nanadino anao ireo olon-tianao rehetra. Tsy hitady anao izy ireo, fa efa nandratra anao tamin'ny ferin'ny fahavalo sy tamin'ny famaizan'ny tompo lozabe Aho nohon'ny amin'ireo helokao sy ireo fahotanao tsy tambo isaina. 15 Nahoana ianao no miantso vonjy nohon'ny ratranao? Tsy mety sitrana ny fanaintainanao. Nohon'ny amin'ireo helokao, ireo fahotanao tsy tambo isaina, dia nataoko taminao ireny zavatra ireny. 16 Koa izay rehetra mamotika anao dia ho potehina, ary izay mpifanandrina aminao rehetra dia ho lasan-ko babo. Fa ireo izay manbabo anao dia ho baboina, ary horobaiko izay mandroba anao. 17 Fa hitondra fanasitranana aminao Aho; hanasitrana anao amin'ny ratranao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—ho ataoko izany satria izy ireo dia niantso anao hoe: Ry voaroaka. Tsy mba misy miraharaha an'ity Ziona ity."' 18 Izao no lazain'i Yaveh: "Indro, hamerina ny harenan'ny lain'i Jakoba Aho ary hangoraka ireo tranony. Dia hisy tanàna hiorina eo amin'ny faharavana misavovona, ary hiverina eo amin'ny toerany nisy azy indray ny fiarovana mafy. 19 Dia hisy hira fiderana sy feo fifaliana hivoaka avy amin'izy ireo, fa hampitombo azy ireo Aho fa tsy hampihena; homeko voninahitra izy ireo mba tsy hietry. 20 Dia ho toy ny teo aloha ny olon'izy ireo, ary ny fiangonan'izy ireo dia hiorina eo anatrehako rehefa manafay ireo rehetra izay mampahory azy ireo amin'izao Aho. 21 Hivoaka avy ao amin'izy ireo ny mpitarik'izy ireo. Avy eo afovoanin'izy ireo no hipoirany rehefa ampanakaikeziko ary rehefa manatona Ahy izy. Raha tsy manao izany Aho, dia iza no sahy hanakaiky Ahy? —izany no fanambaran'i Yaveh. 22 Dia ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. 23 Indro, ny tafiotran'Yaveh, ny fahatezerany, fa nivoaka. Tafiotra mitohy izany. Hihodikodina eo an-dohan'ny olona ratsy fanahy izany. 24 Tsy hiverina ny fahatezeran'i Yaveh ambara-pahavitany sy hanatanterahany ny fikasan'ny fo. Amin'ny andro farany, dia ho takatrao izany."
"Soraty anaty horonan-taratasy izay noresahiko anao"
"Fa henoy tsara." Io andian-teny io dia misarika ny olona hifantoka amin'izay ho lazain'i Yaveh manaraka.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
"ho averiko hiatsara indray ny zava-drehetra ho anareo"
Ny teny "izahay" dia manondro an'i Yaveh. Matetika Izy no manondro ny tenany ho "izahay"
DH: "Nihiakam-patahorana ny olona satria tsy nisy fiadanana" na "Nihiakam-patahorana ianareo ... Fiadanana."
DH: "Tsy misy lehilahy miteraka"
Nametraka ireo fanontaniana ireo Yaveh mba hanamafisana ny fahatahoran'ireo lehilahy. DH: "Na izany aza, ireo tovolahy dia mihazona ny valahany toy ny vehivavy hiteraka; toy ny marary ny endrik'izy ireo noho ny fatahorany"
DH: "ho an'ny taranak'i Jakoba izany, saingy ho avotra amin'izany izy ireo"
Manohy miresaka tamin'ireo Israelita Yaveh.
Ireo fehezanteny ireo dia manondro an'i Yaveh manafaka ireo vahoaka Israelitany tamin'ny fanandevozana.
Ny andian-teny "izy ireo" dia manondro ireo taranak'i Jakoba. DH: "hanompo an'i Yaveh ianareo"
Io dia manondro ny iray amin'ny taranak'i Davida.
Manohy miresaka tamin'ireo Israelita Yaveh.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ilay faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany.
"aza miahiahy"
"Henoy tsara"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ilay faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany.
"avy any amin'ny toerana izay nahababo"
"hiverina amin'ny tany niaviany ny olona"
"hilamina ireo olona"
"izay nandefasako anao"
Fa tsy hamotika tanteraka anareo Aho"
"ka hanasazy anao tokoa"
Miteny ny hafatr'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely i Jeremia.
Io dia midika fa efa nanasazy azy ireo mafy Yaveh ka tsy nisy afaka nanampy azy ireo.
"Tsy misy olona nangataka famindram-po tamiko ho anao"
Manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Yaveh dia mamaritra an'Israely ho toy ny vehivavy mampirafy izay maka olon-tiana hafa toy izay ny vadiny. Eto ny "olon-tiana" dia manondro ireo firenena hafa. Nifandray tamin'izy ireo ireo Israelita ary nanompo ireo andriamanitr'izy ireo raha tokony nahatoky an'i Yaveh.
"tsy te ho namanao intsony izy ireo"
Midika izany fa Yaveh dia nitondra ny olony toy ny nitondrany ireo fahavalony.
Nametra-panontaniana Yaveh teto mba ampisainana ireo olona momban'ny antony hiantson'izy ireo vonjy ankehitriny. DH: "Aza miantso vonjy noho ireo ratranao."
" ireo otanao izay be loatra ka tsy voaisa intsony"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ilay faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany. DH: "Ny firenena rehetra izay nanandevo anao dia ho andevozina."
DH: "koa ireo izay mamotika anao, dia ho potehin'ireo fahavalony"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ilay faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany. DH: "Ireo fahavalon'ireo izay nangalatra ireo zavatra taminao tanatin'ny ady dia ho ataoko mangalatra azy ireo"
Ny voaroaka dia olona izay tsy noraisin'ireo vahoaka na navelan'izy ireo hifandray amin'izy ireo. DH: " izy ireo dia niantso anao hoe: Ry nahilika"" na "hoy izy ireo hoe: tsy misy mila anao"
DH: "Tsy mba misy miraharaha ny vahoakan'i Ziona"
Manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
"henoy tsara"
DH: "ampahomby ny taranak'i Jakoba Aho ary hanana fangoraham-po amin'izy ireo"
DH: "Dia hamerina hanangana an'i Jerosalema amin'ny faharavany indray izy ireo"
"Dia hihira hiram-piderana sy fifalian izy ireo"
Ireo fehzanteny ireo dia midika fa hampitombo ny isan'ireo Israelita Andriamanitra.
DH: "mba tsy hisy ampihetry azy ireo"
Manohy miteny Yaveh.
DH: "ho apetrako toy ny vahoaka eo anatrehako izy ireo"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ilay faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany. DH: "Ny mpitarik'izy ireo dia ho fidiana avy amin'ireo vahoakany."
Nampiasa io fanontaniana io Yaveh mba hanamafisana fa tsy nisy nanana herim-po hanatona Azy raha tsy Yaveh tenany no nanasa azy.
Io dia mampitaha ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny tafio-drivotra. Io dia manamafy ny heriny sy ny fahafahany manimba ny olona ratsy fanahy.
1 "Tamin'izany fotoana izany—izao no fanambaran'i Yaveh—ho Andriamanitrin'ny fianakavian'ny Israely rehetra Aho, ary ho vahoakako izy ireo." 2 Izao no lazain'i Yaveh: "Ny olona izay tsy matin'ny sabatra dia nahita sitraka tany an'efitra; hivoaka Aho mba hanome fitsaharana ho an'ny Israely." 3 Niseho tamiko Yaveh tany aloha ary niteny hoe: "Nitia anao Aho, ry Israely, tamin'ny fitiavana maharitra mandrakizay. Koa nisarika anao hanatona Ahy tamin'ny fanekena mahatoky Aho. 4 Hanangana anao indray Aho ka hitsangana ianao, ry Israely virijiny. Handray ny ampongatapakareo ianareo ary hivoaka amin'ny dihim-pifaliana. 5 Hamboly tanim-boaloboka indray eo amin'ireo tendrombohitr'i Samaria ianareo; ireo mpamboly dia hamboly ary hametraka ny vokatra amin'ny tokony ampiasana azy. 6 Fa ho avy ny andro hanambaran'ireo mpiambina eo amin'ireo tendrombohitr'i Efraima hoe: 'Mitsangàna, andeha isika hiakatra any Ziona any amin'i Yaveh Andriamanitsika.' 7 Fa izao no lazain'i Yaveh: "Mihikà am-pifaliana ho an'i Jakoba! Mihikà am-piravoravoana ho an'ireo lehiben'ny vahoakan'ireo firenena! Aoka ho re ny fiderana. Lazao hoe: 'Efa namonjy ny vahoakany Yaveh, ny ireo sisa tavela tamin'ny Israely.' 8 Indro, efa hitondra azy ireo avy ao amin'ireo tany avaratra Aho. Hanangona azy ireo avy amin'ireo faritra lavitry indrindra ny tany Aho. Ho anisan'izy ireo ny jamba sy ny malemy; hiaraka amin'izy ireo ny vehivavy bevohoka sy ireo izay efa ho teraka. Hisy fiangonana lehibe hiverina eto. 9 Ho tonga am-pitomaniana izy ireo; hitarika azy ireo araka izay fangatahany Aho. Hampandehaniko any amin'ny rian-drano any amin'ny lalana mahitsy izy ireo. Tsy ho tafintohina eo amin'izany izy ireo, fa ho rain'ny Israely Aho, ary ho lahimatoako i Efraima." 10 "Henoy ny tenin'i Yaveh, ry firenena. Tatero manerana ny faritany lavitra any. Ianareo firenena dia tsy maintsy hilaza hoe: 'Ilay nanamparitaka an'Israely dia nanangona azy ary miandry azy tahaka ny mpiandry ondry mitandrina ny ondriny.' 11 Fa efa nandoa ny vidim-panavotanan'i Jakoba Yaveh ary nanavotra azy teny amin'ny tanana izay mafy loatra ho azy. 12 Ary ho avy izy ireo ka hifaly eo an-tampon'i Ziona. Hamiratra noho ny fahatsaran'i Yaveh ny tavan'izy ireo, amin'ny tandroka sy divay vaovao, amin'ny menaka sy ny zanakin'ny ondry aman'osy ary ireo omby. Fa ho tonga tahaka ny zaridaina voatondraka ny fianan'izy ireo, ary tsy hahatsapa alahelo intsony izy ireo. 13 Dia hifaly amin'ny dihy ireo virijiny, ary hiaraka ny zatovo sy ny lahy antitra. Fa ho avadiko ho fankalazana ny fisaonan'izy ireo. Hangoraka azy ireo Aho ka hampifaly azy ireo fa tsy ampalahelo. 14 Dia hanototra be tokoa ny fiainan'ireo mpisorona Aho. Hameno ny tenan'izy ireo amin'ny fahatsarako ny vahoakako—izany no fanambaran'i Yaveh." 15 Izao no lazain'i Yaveh: "Nisy feo re tany Rama, fidradradradrana sy fitomaniana mafy. Rahely mitomany ireo zanany izany. Nandà tsy ampiononina ny amin'izy ireo izy, satria efa tsy miaina intsony izy ireo." 16 Izao no lazain'i Yaveh: "Atsaharo amin'ny fitomaniana ny feonao ary amin'ny ranomaso ny masonao; satria misy valiny ny fijalianao—izany no fanambaran'i Yaveh—hiverina avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireo zanakao. 17 Misy fanantenana ny amin'ny ho avinao—izany no fanambaran'i Yaveh—hiverina ao amin'ny faritanin'izy ireo ny taranakao." 18 Efa reko nalahelo tokoa i Efraima hoe: 'Nanasazy ahy Ianao, ary efa nosaziana tahaka ny zanak'omby tsy nozarina aho. Ento miverina aho dia ho tafaverina, fa Ianao no Yaveh Andriamanitro. 19 Fa tao aorian'ny niverenako taminao, dia nanenina aho; tao aorian'ny nanazarana ahy, dia namelaka ny feko aho. Afa-baraka sy menatra aho, fa efa niteraka ny heloky ny fahatanorako.' 20 Moa tsy menakin'ny aiko ve i Efraima? Moa ve tsy malalako izy, zanaka tiako? Fa na oviana na oviana hiresahako azy, dia mbola hahatsiaro am-pitiavana azy tokoa Aho. Izany no alahelovan'ny foko azy. Hangoraka azy tokoa Aho—izany no fanambaran'i Yaveh." 21 Mametraha famantaran-dalana ho anareo. Mametraha takela-by tari-dalana ho an'ny tenanareo. Saino ny lala-marina, dia ny lalana izay tokony alehanao. Miverena, ry Israely virijiny! Miverena any amin'ireo tanànanao ireo. 22 Mandra-pahoviana no hihozongozona ianao, ry zanakavavy tsy manam-pinoana? Fa efa namorona zava-baovao ho an'ny tany Yaveh—dia vehivavy manodidina lehilahy matanjaka. 23 Yaveh Tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'i Israely, dia milaza hoe: "Rehefa mitondra ny vahoaka miverina amin'ny tanin'izy ireo Aho, dia hilaza izany any amin'ny tanin'ny Joda sy ireo tanàn-dehibeny izy ireo hoe: 'Hitahy anao anie Yaveh, ianao ry toerana marina izay itoerany, ianao ry tendrombohitra masina.' 24 Fa hiara-hipetraka any i Joda sy ireo tanànany rehetra, tahaka ireo mpamboly sy ireo mpiandry ondry miaraka amin'ireo ondry aman'osy. 25 Fa hanome rano ho sotroin'ireo olona reraka Aho, ary hampisotro ireo izay matin'ny hetaheta Aho." 26 Tao aorian'izany dia nifoha Aho, ary nahatsapa fa nahavelombelona ny torimasoko. 27 "Indro, tonga ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hamafazako ireo ankohonan'Israely sy Joda mbamin'ireo taranak'olombelona sy bibidia. 28 Tany aloha, dia narahako maso izy ireo mba hanongotana azy ireo sy hanimbana azy ireo, mba handravana, hamotehana, ary hanasiana ratsy azy ireo. Fa amin'ny andro ho avy, dia hiambina azy ireo Aho, mba hanangana azy ireo sy hamboly azy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh. 29 Amin'ireo andro ireo dia tsy hisy na iza na iza hiteny intsony hoe: "Nihinana voaloboka marikivy ireo ray aman-dreny, kanefa ny nifin'ireo zaza no nadilo.' 30 Fa ny olona tsirairay dia ho fatin'ny helony ihany; ny olon-drehetra izay mihinana voaloboka marikivy, dia hadilo ny nifiny. 31 Indro, tonga ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hanorenako fanekena vaovao amin'ny ankohonan'i Israely sy ny ankohonan'i Joda. 32 Tsy ho tahaka ny fanekena izay naoriko tamin'ireo rain'izy ireo tamin'ny andro izay nitantanako azy ireo mba hamoahana azy ireo tao amin'ny tany Egypta. Ireo no andro izay nandravan'izy ireo ny fanekeko, na dia vady tamin'izy ireo aza Aho—izany no fanambaran'i Yaveh. 33 Fa izao no fanekena izay haoriko miaraka amin'ny ankohonan'ny Israely aorian'ireo andro ireo—izany no fanambaran'i Yaveh: Hametraka ny lalàko ao anatin'izy ireo Aho ary hanoratra izany ao am-pon'izy ireo, fa ho Andriamaniny Aho, ary ho vahoakako izy ireo. 34 Dia tsy hampianatra ny mpiara-monina aminy intsony ny lehilahy tsirairay, na hampianatra ny rahalahiny ny lehilahy iray ka hiteny hoe: 'Fantaro Yaveh!' Fa izy rehetra, manomboka amin'ny kely indrindra amin'izy ireo ka hatramin'ny lehibe indrindra, dia hahafantatra Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hamela ny helok'izy ireo Aho ary tsy hahatsiaro ny fahotan'izy ireo intsony." 35 Izao no lazain'i Yaveh—Yaveh, no Ilay mampibaliaka ny masoandro amin'ny andro ary mandamina ny volana sy ireo kintana hamiratra ny alina. Izy Ilay mampihetsika ny ranomasina mba hierona ny onjan'izany. Yaveh Tompon'ny maro no anarany. Izao no lazainy: 36 "Raha mba manjavona eto imasoko ireo zavatra maharitra ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—dia hitsahatra mandrakizay tsy ho firenena eo anatrehako ny taranak'Israely." 37 Izao no lazain'i Yaveh: "Raha mba azo refesina ny lanitra avo indrindra, ary raha mba hita ny fanambanin'ny tany, dia hanary ireo taranak'Israely rehetra noho izay rehetra nataony Aho—izany no fanambaran'i Yaveh." 38 "Indro, ho avy ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hanamboarana indray ny tanàna ho Ahy, manomboka ao amin'ny Tilikambon'i Hananela ka hatrany amin'ny Vavahady An-jorony. 39 Dia hivoaka hatrany lavitra indray ny tsipika fandrefesana, hatrany amin'ny havoan'i Gareba sy manodidina an'i Goa. 40 Ny lohasahan'ireo faty sy lavenona manontolo, ary ny faritry ny saha rehetra mivoaka mankany amin'ny Lohasahan'i Kidrona ka hatrany lavitra any amin'ireo zoron'ny Vavahadin-tsoavaly any atsinanana, dia ho atokana ho an'i Yaveh. Tsy hongotana ny tanàna na ho ravàna indray, mandrakizay."
Io dia manondro ny fotoana nanasazian'Andriamanitra ny olona ratsy fanahy.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Eto ny "tamiko" dia manondro ny vahoakan'Israely.
Manohy miresaka tamin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
DH: "Ho ataoko mafy indray ianao" na "ho ataoko mahomby indray ianao"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 18:13.
Zava-maneno toy ny amponga ny lohany izay azo velesina ary misy ampahina vy manodidina ireo sisiny izay maneno rehefa mihotsana ilay zava-maneno.
DH: "aoka ho henoin'ny olona rehetra ny fideranao"
"ireo olona mbola velona"
Manohy miteny Yaveh.
"henoy" na "henoy tsara"
Eto "Efraima" dia anarana hafa an'Israely ano". DH: "Ho toy ny ray ho an'i ny vahoakan'Israely Aho, ary izy ireo dia ho tahaka ny zanako voalohany""
Ny zaza nateraka voalohany dia nanana voninahitra manokana sy andraikitra .
Eto ny "izy ireo" dia manondro ireo vahoak'Israelita.
DH: "nanaparitaka ireo oloko teo amin'ireo firenena Aho, fa ankehitriny dia hamerina azy ireo hody Aho.
Midika izany fa Andriamanitra dia miahy sy miaro ny vahoakany toy ny fanaon'ny mpiandry ondry amin'ireo ondriny.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy fa Yaveh no nanavotra ny vahoakan'Israely. DH: "Fa Yaveh no nanavotra ny vahoakan'Israely tamin'ireo fahavalony izay tena matanjaka loatra ho azy ireo."
Midika izany fa izy ireo dia ho matanjaka sy ho salama, ary hahomby.
Io dia fanitarana ny hafaliana izay ho ananan'Israely.
Manondro an'i Yaveh izany eto.
"ahafam-po ny vahoakako ny fahatsarako"
DH: "Nandre feo aho tany Rama"
Eto "Rahely" dia manondro ireo vehivavin'Israely izay nitomany ny zanak'izy ireo.
DH: "Tsy namenla an'iza na iza ampionona azy izy satria efa maty ny zanany"
Ny famerena ilay fehezanteny dia manondro ny maha entitra ny famaizan'i Yaveh sy ny fiantefan'izany. DH: "Nosazianao Mafy aho" na "nanasazy ahy Ianao, ary nandray lesona tamin'izany sazy izany aho."
Mangataka amin'Andriamanitra i Jeremia mba ho lasa mora ampianarina toy ny zanak'omby tsy nozarina izy.
Ny teny "Afa-baraka" sy "menatra" dia mitovy ny dikany ary manamafy ny fahamenarana tafahoatra. DH: "Tena menatra tanteraka aho"
DH: "Efraima dia menakin'ny aiko. Izy no malalako, zanaka tiako.
Manohy ny resaka tao amin'ny andininy faha 7 Andriamanitra.
Nomena "an'Israely virijiny! " ireo didy ireo."
DH: "Tadidio tsara ny lalana niavinao rehefa nobaboina ianao."
Manondro an'Israely niova fo Andriamanitra.
Manontany Andriamanitra hoe mandra-pahoviana ny vahoakany no tsy hankato azy. DH: "Aza misalasala amin'ny fankatoavana Ahy"
Manondro ny vahoakan'i Joda izany eto.
Eny an-tampon-kavoana i Jerosalema, ary ny tempoly dia nahorina teny amin'ny tendron'i Jerosalema. DH: "Hitahy ireo izay mipetraka any Jerosalema izay misy ny tempoliny anie Yaveh"
"Hampitombo ny lehilahy sy bibidia tahaka ny mpamboly mamafy voa Aho" na "Hampitombo ny mponina sy ireo biby ao amin'ireo fanjakan'i Joda sy Israely Aho."
"nitady fomba hanongotana azy ireo"
Jereo ny fomba nandikanao an'ireo tao amin'ny 1:9.
DH: "Jereo" na "henoy" na "henoy ny zavatra izay ho lazaiko aminareo"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy fa ny didin'i Yaveh dia ho lasa ampahany amin'izy ireo fa tsy ho soratana amin'ny vato fotsiny ihany. Eto ny "fo" dia maneho ny "fihetsem-po" na ny "fisainana." DH: "Ny lalàko dia ho sombin'ireo fisainana sy fihetsem-pon'izy ireo."
Io fehezanteny io dia manondro ny olona rehetra, araka ny lanjan'izy ireo eo anivon'ny fiaraha-monina. DH: "Ny tsirairay avy amin'izy ireo."
Ireo fehezanteny ireo dia manondro ny famoronana manontolo.
"Henoy! Ny zavatra ho lazaiko momba'izay hitranga tsy ho ela."
Ireo dia anaran-toerana.
"ho atao masina"
1 Tonga tamin'i Jeremia ny teny avy amin'i Yaveh tamin'ny taona fahafolo nanjakan'i Zedekiah mpanjakan'i Joda, ny faha valo ambin'ny folo taona nanjakan'i Nebokadnezara. 2 Tamin'izany fotoana izany, dia nanao fahirano an'i Jerosalema ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona, ary i Jeremia mpaminany dia nogadraina tao amin'ny kianjan'ny fiambenana tao an-tranon'ny mpanjakan'i Joda. 3 Nogadrain'i Zedekia mpanjakan'i Joda izy ka niteny hoe: "Nahoana ianao no maminany sy miteny hoe: "Yaveh niteny hoe: Indro, andeha homeko ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanàna ity, ary ho baboiny. 4 Tsy handositra ny tanan'ireo Kaldeana i Zedekia mpanjakan'i Joda, ary azo antoka fa homena ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona izy. Ny vavany dia hiteny amin'ny vavan'ny mpanjaka, ireo masony hahita ny mason'ny mpanjaka. 5 Haka an'i Zedekia ho any Babylona izy, ary hijanona any izy ambara-piraharahako aminy—Izany no fanambaran'i Yaveh. Na hiady hanohitra ireo Kaldeana aza ianareo, dia tsy hahomby ianareo." 6 Hoy Jeremia: "Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, miteny hoe: 7 'Indro, Hanamela zanaka lahin'i Saloma rahalahin-drainao manatona anao ary miteny hoe: "Vidio ho an'ny tenanao ny sahako any Anatota, fa manan-jo hividy an'izany ianao.""' 8 Ary, araka ny nambaran'i Yaveh, Hanamela, zanaka lahin'ny dadatoako, nanatona ahy tao amin'ny kianjan'ny fiambenana, araka ny nolazainy tamiko hoe: "Vidio ny sahako izay any Anatota ao amin'ny tanin'i Benjamina, fa anao ny zo handova izany, ary ny zo hividy dia anao. Vidio ho an'ny tenanao izany. 'Ary fantatro fa tenin'i Yaveh izany. 9 Ka novidiko ny saha tao Anatota avy amin'i Hanamela, zanaka lahin'ny dadatoako, nolanjaiko ho azy ny volafotsy, fito ambin'ny folo sekely no lanjany. 10 Dia nanoratra horonan-taratasy ary nanisy tombo-kase izany aho, ary nanana vavolombelona nijoro vavolombelona ny amin'izany aho. Ary nandanja ny volafotsy amin'ny fandanjana aho. 11 Dia naka ny raharaham-barotra voatombo-kase aho, manaraka ny didy sy ireo lalàna, mbamin'ny raharaha tsy voatombo-kase. 12 Nanome ny horonan-taratasy voatombo-kase an'i Baroka zanaka lahin'i Neria zanaka lahin'i Mahaseia teo anoloan'i Hanamela aho, zanaka lahin'ny dadatoako, sy ireo vavolombelona izay nanoratra ny horonan-taratasy voatombokase, ary teo anoloan'ireo Jiosy izay nipetraka tao an-kianjan'ny fiambenana. 13 Ka nandidy an'i Baroka teo anatrehan'izy ireo aho. Hoy aho: 14 "Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely no miteny izao: "Alaivo ireo horonan-taratasy ireo, ny rosian'ny varotra izay voatombokase sy ny dika mitovy tsy voatombokase amin'ny raharaham-barotra, ary apetraho anaty siny tanimanga izany mba aharitra fotoana ela. 15 Fa Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, miteny hoe: Ireo trano, ireo saha, ireo tanim-boaloboka dia mbola hovidina indray eto amin'ity tany ity." 16 Taorian'ny nanomezako an'i Baroka zanaka lahin'i Neria ny rosian'ny varotra, ^dia nivavaka tamin'i Yaveh aho ka niteny hoe: 17 "Loza, ry Tompo Yaveh! Indro! Ianao irery no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny alalan'ny herinao lehibe sy ny sandrinao nisandratra. Tsy misy zavatra izay teneninao ka sarotra taminao koa ny nanao azy. 18 Nampiseho fanekena mahatoky tamin'ny arivony Ianao ary mamaly ny fahadison'ireo olona tamin'ireo zanany taorian'izy ireo. Ianao no Andriamanitra lehibe sy mahery; Yaveh Tompon'ny maro no anaranao. 19 Lehibe amin'ny fahendrena Ianao ary mahery amin'ireo asa. Fa misokatra amin'ny lalanan'ny vahoaka rehetra ny masonao, mba hanome ny olona tsirairay izay mendrikan'ny fitondran-tenany sy ny asany. 20 Nanao famantarana sy fahagagana maro tao amin'ny tanin'ny Egypta Ianao. Amin'izao fotoana izao ao Israely ary eo amin'ny olombelona rehetra, dia nampalaza ny anaranao Ianao. 21 Fa nitondra ny Israely vahoakanao hivoaka ny tany Egypta Ianao miaraka amin'ireo famantarana sy fahagagana, miaraka amin'ny tana-mahery, sy miaraka sandry mitsangana, ary miaraka amin'ny fampitahorana lehibe. 22 Dia nomenao azy ireo ity tany ity—Izay nianianao tamin'ireo razambeny fa homena azy ireo—dia tany tondran-dronono sy tantely. 23 Ka niditra izy ireo ary naka izany ho fananana. Fa tsy nihaino ny feonao izy ireo na niaina tao anatin'ny fankatoavana ny lalànao. Tsy nanao na inona na inona amin'izay nandidinao azy ireo ho atao izy ireo, noho izany dia nitondra loza teo amin'izy ireo Ianao. 24 Indro! Ireo tovon-tany dia tafiakatra teny amin'ny tanàna hisambotra izany. Fa nohon'ny sabatra, mosary, ary ny areti-mandringana, dia natolotra ho eo an-tanan'ny Kaldeana izay miady aminy ny tanàna. Fa izay noteneninao hitranga dia mitranga, ary indro, mijery ianao. 25 Ary dia hoy ianao tamiko: "Mividiana saha ho an'ny tenanao amin'ny volafotsy ary manàna vavolombelona hijoro vavolombelona ny amin'izany, na dia handeha homena ho eo an-tanan'ireo Kaldeana aza ity tanàna ity. 26 Tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 27 "Indro, Izaho no Yaveh, Andriamanitrin'ny olombelona rehetra. Misy zava-tsarotra tsy aiko atao ve? 28 Koa izao no lazain'i Yaveh hoe: "Indro, handeha hanome an'ity tanàna ity ho eo am-pelatanan'ireo Kaldeana sy Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona Aho. Hambabo izany izy. 29 Ireo Kaldeana izay miady amin'ity tanàna ity dia ho avy ary handrehitra afo amin'ity tanàna ity sy handoro izany. Mbamin'ireo trano eo amin'ny tafo izay hivavahan'ireo vahoaka tamin'i Bala ary nandrarahany fanatitra sotroina ho an'ireo andriamanin-kafa mba iantsiana Ahy. 30 Fa ny vahoakan'Israely sy ny Joda dia vahoaka izay nanao ratsy teo imasoko tokoa hatramin'ny fahatanorany. Fa efa nanafintohina Ahy tamin'ny alalan'ny fanaon'ireo tanany tokoa ny vahoakan'Israely—Izany no fanambaran'i Yaveh. 31 Nambaran'i Yaveh fa ity tanàna ity hatramin'ny andro nanorenan'izy ireo azy dia fihantsiana ny fahatezerany sy ny fahavinirany. Dia izany ihany izy mandrak'ankehitriny. Noho izany dia hoesoriko tsy ho eo anoloan'ny tavako izany 32 noho ireo haratsian'ny vahoakan'Israely sy Joda, ireo zavatra nataon'izy ireo hiantsiana Ahy—izy ireo, ireo mpanjakany, andriany, mpisorony, mpaminaniny, sy ireo olona rehetra ao Joda ary ny mponin'i Jerosalema. 33 Manome lamosina Ahy izy ireo fa tsy mba ny tavany, na dia nampianatra azy ireo tamim-tsitram-po aza Aho. Niezaka nampianatra azy ireo Aho, fa tsy nisy na iray amin'izy ireo aza ka nihaino mba handray fanintsiana. 34 Nametraka ireo sampy mahatsiravina tao an-tranoko izay nantsoina tamin'ny anarako izy ireo, mba handoto izany. 35 Nanorina toerana avo ho an'i Bala tao amin'ny loasahan'i Bena Hinoma izy ireo mba handorana ireo zanany lahy sy zanany vavy ho an'i Molesa. Tsy nandidy azy ireo Aho. Tsy tao an-tsaiko mihintsy hoe hanao izany zavatra maharikoriko izany izy ireo ary dia nampanota an'i Joda. 36 Koa ankehitriny, Izaho, Yaveh, Andriamanitr'Israely, no milaza izao mahakasika ity tanàna ity, tanàna izay lazainareo hoe: 'Nomena ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona izany tanàna izany amin'ny alalan'ny sabatra, mosary ary areti-mandringana. 37 Indro, hanangona azy ireo any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy ireo tanatin'ny hatezerako, fahavinirako, ary fahatezerana lehibe Aho. Handeha hampiverina azy ireo amin'izany toerana izany Aho ary ahafahan'izy ireo miaina am-pilaminana. 38 Dia ho oloko izy ireo, ary Izaho ho Andriamaniny 39 Hanome fo iray sy lalana iray mba hanomezam-boninahitra Ahy isan'andro ho azy ireo Aho ka ho tsara ho azy ireo sy ny taranany any aoriany izany. 40 Dia hanao fanekena mandrakizay miaraka amin'izy ireo Aho, izay tsy hanatsaharako ny fanaovako soa azy ireo. Hametraka ny voninahitra izay Ahy ao am-pon'izy ireo Aho, mba tsy hivadika Amiko mandrakizay izy ireo. 41 Dia hifaly amin'ny fanasoavako azy ireo Aho. Hampitoetra azy ireo ao amin'ity tany ity am-pahatokiana Aho amin'ny foko manontolo sy ny aiko rehetra. 42 Fa Yaveh miteny izao: "Tahaka ny nitondrako izao loza rehetra izao eo amin'ireto vahoaka ireto, dia toy izany koa no hitondrako ny zava-tsoa rehetra amin'izy ireo izay nolazaiko fa ho ataoko amin'izy ireo. 43 Ary hisy saha hovidiana amin'ity tany ity, izay lazainareo hoe: "Tany simba ity, izay tsy misy na olona na biby. Efa nomena teo an-tanan'ireo Kaldeana ity." 44 Hividy saha amin'ny volafotsy izy ireo ary hanoratra amin'ny horonan-taratasy voatombo-kase. Hamory vavolombelona ao amin'ny tanin'i Benjamina izy ireo, ny manodidina an'i Jerosalema rehetra sy ireo tanànan'i Joda, any amin'ireo tanàna any amin'ny tany havoana sy ireo tany lemaka amorony, ary ao an-tanan'i Negeva. Fa hamerina ireo harenany Aho—Izany no fanambaran'i Yaveh."'
"Izao no no zavatra no lazain'i Yaveh tamin'i Jeremia"
"Nampidirin'izy ireo tao am-ponja tao amin'ny kianjan'ny fiambenana izy"
Io dia kianja malalaka mifandray amin'ny lapan'ny mpanjaka.
Nampiasa io fanontaniana io i Zedekia mba hibedesana an'i Jeremia DH: "tsy mety ny faminaninao sy ny fitenenanao hoe"
Eto ny "tanana" dia manondro ny fahefana sy fifehezana. DH: "eo amin'ny mpanjakan'i Babylona, ary hisambotra izany ny tafiny"
DH: "fa efa natolotro azy tokoa izy"
DH: "Hahita sy hiresaka amin'i Nebokadnezara mivantana i Zedekia tenany"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Eto ny "ianareo" dia manondro ny vahoakan'i Jerosalema.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1
Ireo dia anaran-dehilahy.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1
Manohy miteny i Jeremia.
"17 sekely." Ny sekely iray dia 11 grama.
Manohy miteny i Jeremia.
Io dia manondro ny asa izay nosoniavin'ilay olona mba hividianana tany. Ireo olona hafa dia ho vavolombelona hanamafy fa novidiako io tany io.
"nanana vavolombelona tany mba hijery fa novidiko ilay tany.
"nasiko tombo-kase"
"dikany tsy mikatona" na "ilay didy izay tsy misy tombo-kase teo aminy"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 32:1.
Manohy miteny i Jeremia.
Ny "izy ireo" eto dia manondro an'i Hanamela, ireo vavolombelona ary ireo Jodeana.
"alaivo ilay horonan-taratasy voatombo-kase sy ilay tsy misy fitombon-kase"
DH: "ireo vahoakan'Israely dia hividy trano, tanim-boaloboka ary saha ao amin'ilay tany indray"
Manohy miteny i Jeremia.
Io dia manondro ilay horonan-taratasy voatombo-kase sy ilay horonan-taratasy tsy misy horonan-taratasy.
"indrisy"
Ny "sandrinao nisandratra" dia fomba fiteny hanondroana ny tanjaka. Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy ny haben'ny herin' Yaveh. DH: "tamin'ny alalan'ny herinao tena lehibe."
"Nitandrina ny fampanantenanao Ianao ary nampiseho fitiavana mahatoky"
"ary nanasazy ireo zaza noho ny otan'ireo ray aman-dreniny Ianao"
Nanohy nivavaka tamin'i Yaveh i Jeremia.
DH: "Mahita ny zava-drehetra ataon'ny olona ianao"
"ary hamaly soa ny tsiraray arak'ireo zavatra ataon'izy ireo"
Io dia manondro ny tranga tany aloha tany rehefa nampiasa ny heriny Andriamanitra hanafahana ny vahoakan'Israely tamin'ny fanandevozana tany Egypta.
"ary eo amin'ny vahoaka rehetra"
Eto ny "anarana" dia manondro ny lazan'Andriamanitra. DH: "nampalaza ny tenanao Ianao"
Ireo fehezanteny ireo dia fomba fiteny manondro ny hery. Ireo no miaraka dia manamafy ny haben'ny herin'i Yaveh. DH: "tamin'ny herinao lehibe."
Nanohy nivavaka tamin'i Yaveh i Jeremia.
"nomenao ny vahoakan'Israely"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 11:3.
DH: "Fa tsy nankato izay olazainao izy ireo"
Nanohy nivavaka tamin'i Yaveh i Jeremia.
"mba ahafahan'ireo tafika fahavalo misambora izany"
Eto ny sabatra dia midika hoe ady na fifanandrinana.
Ny "tanana" eto dia midika fahefana na fifehezana. DH: "Natolotrao an'ny tafika Kaldeana i Jerosalema"
"ary hamela ny olona hafa hanatri-maso izany"
DH: "Homeko ... ity tanàna ity"
"Izao no lazain'i Yaveh tamin'i Jeremia"
Nampiasa fanontanian' i Yaveh mba hanamafisana fa afaka manao ny zava-drehetra Izy.
Eto ny "tanana" dia manondro ny fahefana na fifehezana. DH: "tamin'ireo Kaldenana"
Manohy miresaka amin'i Jeremia Yaveh.
"izay nahatezitra Ahy"
DH: "manao izay heveriko ho ratsy"
"nanomboka tamin'ny fotoana naha lasa firenena azy ireo"
DH: "ireo zava-dratsy vitan'izy ireo"
Ity andininy ity dia fitohizan'ilay fizarana teo aloha.
Ny teny "fahatezerany" sy ny "fahavinirany" dia mitovy ny heviny ary samy manamafy ny herin'ny fahatezerany. DH: "Ny vahoakan'i Jerosalema dia nanao izay nahatezitra hatramin'ny andro nanorenan'izy ireo ny tanànany."
DH: "mbola manohy manao izay mahatezitra Ahy Izy ireo"
DH: "eo anatrehako" na "tanteraka"
Manohy miresaka amin' i Jerema Yaveh.
DH: "Tsy niraharaha Ahy ny vahoakako"
"mba ho ampianariko"
"Ireo sampin'izy ireo izay tsy tiako"
DH: "ilay trano izay Ahy"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 7:31.
Eto ny "saina" dia manondro ny eritreritr'i Yaveh. DH: "zavatra izay tsy noeritreretiko ho atao"
Ireo mety ho heviny 1) io dia manondro an'i Jeremia sy ireo niaraka taminy, na 2) izany dia manondro ny olona rehetra.
Eto ny "tanana" dia midika fahefana na fifehezana. DH: "Efa nomen'i Yaveh an'ny mpanjaka'i Babylona izany"
"hanangona ny vahoakako"
Ireo teny telo ireo dia mitovy ny dikany ary manindry ny herin"ny hatezerany. DH: "hatezerana diso tafahoatra"
Manohy miteny Yaveh.
Izany midika fa hisy firaisan-kina eo amin'ireo vahoakan'Israely ka hanompo an'i Yaveh irery ihany.
"fifanarahana mandrakizay"
DH: "hanao soa azy ireo foana Aho"
DH: "mba hankatoavan'izy ireo sy hanompon'izy ireo Ahy"
Manohy miteny Yaveh.
Eto ny "azy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely.
DH: "Ho apetrako maharitra eo amin'io tany io ireo Israelita"
Ireo fehezanteny roa ireo no mitambatra dia lasa fomba fiteny izay manondro ny tenan'ilay olona manontolo. DH: "amin'ny tenako manontolo"
DH: "Ary hividy saha eo amin'izany tany izany ny olona"
Eto ny "nareo" dia manondro ny vahoakan'Israely.
Eto ny "tanana" dia midika ho fahefana na fifehezana. DH: "Efa nomen'i Yaveh an'ireo Kaldeana izany"
Io dia manondro ny asa izay ho soniavin'ilay olona mba hividianana ilay tany. Ireo olon-kafa dia ho vavolombelona hanamafy ilay fividianana.
"Fa ampahomby azy ireo indray Aho"
1 Dia tonga fanindroany tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, raha mbola voahidy teo amin'ny kianjan'ny mpiambina izy, manao hoe: 2 "Yaveh ilay Mpahary, milaza izao—Yaveh, izay mandamina mba hampitoetra—Yaveh no Anarany, 3 'Antsoy Aho, dia ho valiako Ianao. Hampiseho zava-dehibe aminao Aho, zava-miafina izay tsy takatrao.' 4 Fa Yaveh, Andriamanitry ny Israely, milaza izao mahakasika ny trano eto amin'ity tanàna ity sy ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda izay noravana nohon'ny fiakaran'ny fahirano sy ny sabatra, 5 'Avy ireo Kaldeana hiady ary hameno ireo trano amin'ireo fatin'olona izay hovonoiko amin'ny fahatezerana sy ny fahavinirako, rehefa manafina ny tavako amin'ity tanàna ity Aho noho ny faharatsian'izy ireo rehetra. 6 Nefa indro, hitondra fanasitranana sy fanafany Aho, fa hanasitrana azy ireo Aho ary hitondra be, fiadanana, ary fanekena mahatoky. 7 Fa hamerina ny haren'i Joda sy Israely Aho; hanorina azy ireo toy ny tany am-piandohana Aho. 8 Dia hanadio azy amin'ny heloka rehetra izay nataon'izy ireo tamiko Aho. Hamela ny helony rehetra izay nataony tamiko Aho, ary ny lalana rehetra izay nikomiany hanohitra ahy. 9 Fa ity tanàna ity dia ho tonga zavatra mahafaly ahy, hira fiderana sy voninahitra ho an'ny firenena rehetra eto amin'ny tany izay haheno ny zavatra tsara rehetra izay ho ataoko ho an'izany. Dia hatahotra sy hangovitra izy ireo noho ny zavatra tsara rehetra sy fiadanana izay homeko izany.' 10 Izao no lazain'i Yaveh, 'Eto amin'ity toerana ity izay lazainao ankehitriny hoe: "Lao izany, toerana izay tsy misy na olona na biby," eny amin'ireo tanànan'i Joda, ary eo amin'ireo lalan'i Jerosalema izay lao tsy misy olona na biby, dia ho re indray 11 ny feon'ny fifaliana sy ny feon'ny firavoravoana, ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina, ny feon'ireo izay milaza, rehefa mitondra fanatitra fisaorana ao an-tranon'i Yaveh," Misaora an'i Yaveh Tompon'ny maro, fa tsara i Yaveh, ary ny fitiavany tsy mety levona haharitra mandrakizay!" Fa Izaho hamerina ny harenan'ilay tany toy ny teo aloha,' hoy Yaveh 12 Izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro hoe: "Eto amin'ity toerana lao ity, izay tsy misy na olona na biby ankehitriny—dia hisy ahitra izay afaka hampitsaharan'ireo mpiandry ondry ny ondry aman'osiny indray eo amin'ny tanànany rehetra. 13 Eo amin'ireo tanàn-dehibe eo amin'ny tany havoana, ireo tany lemaka, ary ny Negeva, eo amin'ny tanin'i Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema rehetra, ary any amin'ireo tanànan'i Joda, ireo ondry aman'osy dia handalo indray eo ambanin'ny tanan'ireo izay hanisa azy ireo,' hoy Yaveh. 14 'Indro! Avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—izay hanaovako izay nampanatenaiko tamin'ny ankohonan'ny Israely sy ny ankohonan'i Joda. 15 Amin'izany andro sy fotoana izany dia hampaniry rantsana marina ho an'i Davida Aho, ary hanatanteraka ny rariny sy fahamarinana eo amin'ilay tany izy. 16 Amin'izany andro izany dia ho vonjena i Joda, ary i Jerosalema hiaina am-pilaminana, fa izany no hiantsoana azy, "Yaveh no fahamarinantsika." 17 Fa izao no nolazain'i Yaveh: 'Ny olona avy amin'ny taranak'i Davida dia tsy ho ory zanaka lahy na ovina na ovina hipetraka eo amin'y seza fiadrianan'ny ankohonan'ny Israely, 18 na olona avy amin'ny Levita mpisorona dia tsy ho tsy ampy eo anatrehako mba hanangana fanatitra dorana, handoro fanatitra hohanina, ary hanatanteraka fanatitra vary amin'ny fotoana rehetra."' 19 Tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 20 "Izao no nolazain'i Yaveh: 'Raha mahavita manimba ny fanekena mahatokiko andro aman'alina ianao ka tsy hisy intsony andro na alina amin'ny fotoana iombonan'izy ireo, 21 dia hahavita mandrava ny fanekena mahatokiko tamin'i Davida mpanompoko ianao, ka dia tsy hanana zanaka lahy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany intsony izy, ary ny fanekeko mahatoky tamin'ireo Levita mpisorona, mpanompoko. 22 Toy ireo miaramilan'ny lanitra tsy tambo isaina, sy fasika any amoron-dranomasina tsy azo refesina, no hampitomboakao ny taranak'i Davida mpanompoko ary ireo Levita izay nanompo teo anoloako. 23 Tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 24 "Tsy nosaininao ve izay nambaran'io vahoaka io rehefa niteny izy ireo hoe: 'Ireo fianakaviana roa izay nofidian'i Yaveh ireo ankehitriny dia nolaviny izy ireny?' Amin'izany no anaovan'izy ireo tsinotsinona ny oloko, lazain'izy ireo fa tsy firenena eo imasony intsony izy ireo. 25 Izaho, Yaveh, no milaza izao, 'Raha tsy nanorina ny fanekena mahatoky amin'ny andro sy amin'ny alina Aho, ary raha tsy nametraka lalàna ho an'ny lanitra sy ny tany, 26 dia nandà ny taranak'i Jakoba sy Davida mpanompoko Aho, ary tsy nitondra ho azy ireo olona hanapaka manerana ny taranak'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba. Fa hamerina ireo hareny ary haneho famindram-po amin'izy ireo Aho.'"
Ny teny "fahatezerana" sy ny "fahavinirako" dia mitovy ny dikany ary samy manindry ny haben'ny hatezerany. DH: "amin'ny hatezerako tafahoatra."
Io fehezanteny io dia mampiseho ny tsy fankasitrahan'i Yaveh ilay tanàna. DH: "tsy raharahako intsony ny momba anao"
DH: "hamerina ny fahombiazan'izy ireo Aho"
Ireo andalana roa ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy fa lasa lao i Joda.
Tempolin'i Jerosalema
DH: "fahombiazana"
DH: "saha hinanan'ireo indry aman'osy"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ny andian-teny "Amin'izany andro" sy "fotoana" izany dia mitovy ny dikay ary manafamafy ny andian-teny hoe "tamin'izany andro izany" na "tamin'izany fotoana izany indrindra"
Lehilahy marina taranak'i Davida. DH: "hisy lehilahy marina ho avy amin'ny taranak'i Davida toy ny ratsan-kazo maniry eny amin'ny hazo"
ny firenen'Israely
DH : "Lehilahy iray amin'ny taranak'i Davida mpanjaka.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Yaveh dia mampitaha ny fanekeny amin'i Davida tamin'ny andro sy ny alina. Satria ny olona dia tsy afaka manova ny andro sy alina, dia tsy afaka ny hanova ny faneken'Andriamanitra amin'i Davida koa ny olona.
"hintondra ny fanjakana omena azy"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary nampiarahana mba ho fanamafisana. DH: "Toy ny tsy fahafahan'ny olona manisa ireo kintana eny an-danitra sy ny fasika eny an-dranomasina, dia tsy hisy afaka hanisa ny isan'ny taranak'i Davida sy Levy izay nanompo an'i Yaveh"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Io fanontaniana io dia napetraka mba ho fanamafisana. DH: "tokony ho tsikaritrareo fa ireo olona ireo dia milaza fa nolaviko ireo foko roa izay nofidiako ireo."
1 Ilay teny izay tonga tamin'i Jeremia avy amin'i Yaveh, rehefa nanangan'ady tamin'i Jerosalema sy ny tanànany rehetra i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ny tafiny rehetra, niaraka tamin'ireo fanjakan'ny tany rehetra, ireo firenena ambany fahefany, sy ny vahoakan'izy ireo rehetra, nanao hoe: 2 'Yaveh, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: Mandehana ary miresaha amin'i Zedekia mpanjakan'i Joda ary lazao aminy hoe: "Yaveh dia milaza izao: Indro, hanome ity tanàna ity ho eo ampelan-tanan'ny mpanjakan'i Babylona Aho. Ho dorany izany. 3 Tsy ho afaka eo an-tanany ianao, satria ho voasambotra tokoa ianao ary hatolotra eo an-tanany. Hijery ny mason'ny mpanjakan'i Babylona ny masonao; hiresaka mivantana aminao izy raha mankany Babylona ianao.' 4 Henoy ny tenin'i Yaveh, ry Zedekia mpanjakan'i Joda! Yaveh dia milaza izao mahakasika anao: 'Tsy ho faty amin'ny sabatra ianao. 5 Ho faty am-piadanana ianao. Toy ny fandoroana tamin'ny fandevenana an'ireo razambenao, ireo mpanjaka talohanao, dia ho doran'izy ireo ny vatanao. Hiteny izy ireo hoe: "Loza, ry tompoko!" Hisaona anao izy ireo. Ankehitriny efa niteny Aho—izany no fanambaran'i Yaveh." 6 Koa nambaran'i Jeremia mpaminany tamin'i Zedekia mpanjakan'i Joda tany Jerosalema ireo teny rehetra ireo. 7 Niady tamin'i Jerosalema sy ireo tanàna sisan'i Joda ny tafiky ny mpanjakan'i Babylona: Lakisy sy Azeka. Ireo tanànan'i Joda ireo dia nitoetra ho tanàna mimanda. 8 Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Yaveh taorian'ny nanaovan'i Zedekia mpanjaka fanekena tamin'ny olona rehetra tao Jerosalema, mba hanambara fahafahana amin'izy ireo 9 fa ny olona tsirairay dia tsy maintsy manafaka ireo andevony Hebreo, na lahy na vavy, mba tsy hisy hanandevo ny Jiosy, izay rahalahiny. 10 Noho izany ireo mpitarika rehetra sy ny olona dia niditra tamin'ilay fanekana fa ny olona tsirairay avy dia hanafaka ny andevony lahy sy ny andevony vavy mba tsy ho handevozina intsony izy ireo. Nankatoa izy ireo ary nanafaka azy ireo. 11 Fa taorian'ity dia niova ny eritreritr'izy ireo. Naverin'izy ireo ny andevo izay nafahan'izy ireo. Noteren'izy ireo ho lasa andevo indray izy ireo 12 Koa dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 13 "Yaveh, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: 'Izaho dia nanao fanekena tamin'ireo razambenareo tamin'ny andro izay nitondrako azy ireo hivoaka ny tany Egypta, hivoaka ny tranon'ny fanandevozana. Izany dia tamin'Izaho niteny hoe: 14 "Isakin'ny faran'ny fito taona ny olona tsirairay, dia tsy maintsy mandefa ny rahalahiny, ny Hebreo namany izay nivarotra ny tenany taminao sy nanompo anao nandritry ny enin-taona. Avelao andeha an-kalalahana izy." Fa ireo razambenareo dia tsy nihaino Ahy na nanongilan-tsofina tamiko. 15 Ankehitriny ianareo nibebaka ary nanomboka nanao izay marina teo imasoko. Nanambara fahafahana ianareo, ny olona tsirairay avy tamin'ny mpiara-belona taminy, ary nanao fanekena teo anoloako tao amin'ny trano izay antsoina amin'ny anarako ianareo. 16 Fa avy eo ianareo nivadika ary nandoto ny anarako; nataoanareo izay hamerenan'ny olona tsirairay ny andevony lahy sy vavy, ireo izay nalefanareo handeha any amin'izay nirian'izy ireo. Noterenareo ho lasa andevonareo indray izy ireo.' 17 Noho izany Yaveh dia milaza izao: 'Ianareo tenanareo dia tsy nihaino Ahy. Tokony nanambara fahafahana tamin'ireo rahalahinareo sy ireo Israelita namanareo ianareo, ny tsirairay avy aminareo. Koa indro! Hanambara fahafahana aminareo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—fahafahana amin'ny sabatra, ny areti-mandringana, sy ny mosary, satria hahatonga anareo ho zavatra mahatsiravina eo imason'ny fanjakana rehetra eto an-tany Aho. 18 Avy eo dia hifampiraharaha amin'ny olona izay nandrava ny fanekeko Aho, izay tsy nitandrina ireo tenin'ny fanekena izay napetraka teo anoloako rehefa nizara ombilahy ho roa izy ireo ary nandeha teo anelanelan'izany, 19 ary avy eo ireo mpitarikan'i Joda sy Jerosalema, ireo tandapa sy mpisorona, ary ny olona rehetra tao amin'ilay tany dia nandeha teo anelanelan'ilay ombilahy efa voatetika. 20 Ho atolotro eo an-tanan'ireo fahavalony izy ireo sy ho eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ain'izy ireo. Ho sakafo ho an'ny voron'ny habakabaka sy ireo bibidian'ny tany ny vatan'izy ireo. 21 Noho izany dia ho atolotro eo an-tanan'ireo fahavalony sy eo en-tanan'ireo izay nikatsaka ny ain'izy ireo, sy eo an-tanan'ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona izay nitsangana hanohitra anareo i Zedekia mpanjakan'i Joda sy ireo mpitariny. 22 Indro, handefa baiko Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—ary hamerina azy ireo amin'ity tanàna ity mba hanangana ady hanohitra izany sy haka izany, ary mba handoro izany. Fa Izaho dia hamadika ireo tanànan'i Joda ho toerana rava izay tsy hisy mponina.'"
DH: "Niteny ny teniny tamin'i "
DH: "niady tamin'i "
Io dia manondro ny tanan-dehibe manodidina an'i Jerosalema rehetra.
Adikao toy ny nandikanao izany tao amin'ny 32:26 izany.
Eto ny "tanana" dia midika ho fahefana na fifehezana. DH: "ho fehezin'ny mpanjakan'i Babylona."
"Tsy ho afaka eo ambanin'ny fifehezany ianao"
Mitovy ny hevin'ireo fomba fiteny roa ireo fa izy dia hahita ny mpanjakan'i Babylona mivantana.
DH: "tsy ho faty any anaty ady ianao, fa ho faty ampahatoniana"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ireo dia anaran-tanàna.
DH: "ny tanàna mimanda an'i Joda ihany no tsy tratra babo"
Aorian'ity fehezanteny ity, ny mpamaky dia manantena ny ahita ny ao anatin'ilay hafatra avy amin'i Yaveh. Na izany aza ilay hafatra dia tsy manomboka raha tsy ao amin'ny 34:12. Noho izany antony izany , ny mpandika-teny dia afaka mifidy ny hamafa ity fehezanteny eto ity, ary manaraka ilay ohatra ao amin'ny UDB.
"hafatra"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
DH: "ianareo tsirairay avy dia tokony hamela ireo rahalahy Hebreo izay nivarotra ny tenan'izy ireo taminareo ary lasa andevonareo"
DH: "Aoka avelanao andeha an-kalalahana amin'ny fanompona anao izy ireo"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ilay faharoa dia manamafy ny hevitr'ilay voalohany.
"ankasitrahiko" na "ekeko"
DH: "nitsahatra tsy nanao ny tsara ary nanao ireo zava-dratsy izay nahatonga ny olona hieritreritra fa ratsy Aho"
DH: "Koa satria ianareo tsy nankato Ahy, dia hamelanareo ho sazian'ny sabatra, areti-mandringana, ary mosary Aho"
Indro DH: "Jereo" na "henoy" na "henoy ny zavatra izay ho lazaiko aminareo!"
DH: "nifanarahana niaraka tamiko"
DH: "mitady hamono azy ireo"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
"tonga hiady"
Eto ny "azy ireo" dia manondro ireo tafikin'ny firenen'i Babylona. DH: "ary hamerina ny tafika Babyloniana"
1 Tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh tamin'ny andron'i Joiakima zanaka lahin'i Josia mpanjakan'i Joda, nanao hoe: 2 "Mandehana any amin'ny fianakavian'ireo Rekabita ary miresaha amin'izy ireo. Avy eo ento ho aty amin'ny tranoko izy ireo, ao amin'ny iray amin'ireo efitra ao, ary omeo divay ho sotroina izy ireo." 3 Koa nalaiko Jazania zanaka lahin'i Jeremia zanaka lahin'i Habazinia sy ireo rahalahiny, ny zanany lahy rehetra, ary ny fianakavian'ireo Rekabita. 4 Nentiko tao amin'ny tranon'i Yaveh izy ireo, tao amin'ny efitr'ireo zanaka lahin'i Hanana zanaka lahin'i Jigdalia, ilay lehilahin'Andriamanitra. Ireo efitra ireo dia teo anilan'ny efitr'ireo mpitarika, izay ambonin'ny efitr'i Mahaseia zanaka lahin'i Saloma, ilay mpiandry vavahady. 5 Ary napetrako teo anoloan'ireo Rekabita ireo siny sy kapoaka ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Misotroa divay." 6 Saingy hoy izy ireo hoe: "Tsy hisotro divay izahay, satria ny razambenay, i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba, no nandidy anay hoe: "Aza misotro divay mandrakizay, na ianareo na ny taranakareo. 7 Aza manangana trano, mamafy voa, na mamboly tanim-boaloboka ihany koa; tsy ho anareo izany. Fa ianareo dia tsy maintsy hipetraka anaty lay mandritry ny andronareo rehetra, mba hipetrahanareo ela eo amin'ilay tany izay itoeranareo toy ny vahiny.' 8 Efa nankatoa ny tenin'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba, razambenay izahay, tamin'izay rehetra nandidiany anay, mba tsy hisotro divay mandritra ny androm-piainanay manontolo, izahay, ireo vadinay, ireo zanakay lahy, ary ireo zanakay vavy. 9 Tsy hanangana trano hipetrahana mihintsy izahay, ary tsy hisy tanim-boaloboka, saha, na voa ho fanananay. 10 Efa niaina tanaty lay izahay ary efa nankatoa sy nahavita izay rehetra nandidian'i Jonabada razambenay. 11 Saingy rehefa nanafika ilay tany i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, dia hoy izahay hoe: 'Avia, tsy maintsy ho any Jerosalema isika mba handositra ireo tafiky ny Kaldeana sy Syriana.' Koa nipetraka tao Jerosalema izahay." 12 Avy eo dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 13 "Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: 'Mandehana ary lazao ireo lehilahin'i Joda sy ireo mponin'i Jerosalema hoe: "Tsy handray fanitsiana sy hihaino ireo teniko ve ianareo? —izany no fanambaran'i Yaveh. 14 Ireo tenin'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba izay nomeny ny zanany lahy ho didy, tsy hisotro divay, dia hita hatramin'izao andro izao. Nankatoa ny didin'ny razambeny izy ireo. Fa raha ny amiko, izaho tenako dia efa nanao fanambarana mandrakariva taminareo, saingy tsy mihaino ahy ianareo. 15 Naniraka ireo mpanompoko rehetra, ireo mpaminany taminareo Aho. Entitra Aho tamin'ny fandefasana azy ireo hiteny hoe: 'Aoka ny olona tsirairay hiala amin'ny fomba ratsiny ka hanao ny asa tsara; aoka tsy hisy hanaraka andriamanitra hafa ary hanompo azy ireo intsony. Fa miverena kosa any amin'ilay tany izay nomeko anareo sy ny razambenareo.' Na izany aza mbola tsy hihaino ahy na hifantoka amiko ianareo. 16 Nefa ireo taranak'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba dia efa nintandrina ireo didin'ireo razamben'izy ireo izay nomeny azy ireo, saingy mandà ny hihaino Ahy ireo vahoaka ireo.'" 17 Koa niteny izao Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro sy Andriamanitr'Israely hoe: 'Indro, entiko eo amin'i Joda sy ny olona rehetra miaina ao Jerosalema ireo loza rehetra notononiko satria niresaka tamin'izy ireo Aho, saingy tsy nihaino izy ireo; niantso azy ireo Aho, saingy tsy namaly izy ireo.'" 18 Hoy Jeremia tamin'ny taranak'ireo Rekabita hoe: "Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia mialaza izao: Nihaino ireo didin'i Jonadaba razambenareo ianareo ary nitandrina azy rehetra—nankatoa izay rehetra nandidiany ho ataonareo ianareo— 19 ka Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: 'Tsy maintsy hisy olona avy amin'ny taranak'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba hanompo Ahy mandrakariva.'"
Io dia ab vondron'olona.
Io dia manondro ny tempolin'i Yaveh.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 35:1.
reo dia anaran-dehilahy.
Eto ny "teny" dia manondro ny "didy." DH: "ny didin'i Jonadaba"
Ny "andro" dia mampiseho ny vanim-potoana.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Napetraka io fanontaniana io mba hibedesana an'Israely. DH: "tsy handray ny fantsihana ary tsy hihaino ny teniko ianareo."
Ireo dia anaran-dehikahy.
DH: "Ireo zanaka lahin'i Jonadaba, zanaka lahin'i Rekaba, dia nankato ny razamben'izy ireo tsy hisotro divay."
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary nampiarahana mba ho fanamafisana.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary nampiarahana mba ho fanamafisana.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary nampiarahana mba ho fanamafisana.
Io teny io dia miteny amintsika mba hifantoka manokana amin'izay ho lazaina manaraka azy.
Io dia anarana vondron'olona. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 35:1
reo dia anaran-dehilahy. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 35:1
1 Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima zanaka lahin'i Josia mpanjakan'i Joda, no nahatongavan'izao teny avy tamin'i Yaveh izao tamin'i Jeremia, ary hoy Izy: 2 "Mangalà horonan-taratasy iray ho anao ary soraty ao amin'izany ny teny rehetra izay efa nolazaiko anao mahakasika an'Israely sy Joda, ary ny firenena rehetra. Ataovy izany ho an'ny zava-drehetra efa nolazaiko nanomboka tamin'ny andron'i Josia ka hatramin'ity andro ity. 3 Angamba hihaino ny loza rehetra izay kasaiko entina eo amin'izy ireo ny mponin'i Joda. Angamba hivily amin'ny lalan-dratsiny ihany ny olona rehetra, ka dia afaka hamela ny helony sy ny fahotan'izy ireo Aho." 4 Ary niantso an'i Baroka zanakalahin'i Neria I Jeremia, ary nosoratan'i Baroka tao anaty horonan-taratsy ny teny rehetra izay nolazain"i Yaveh tamin'i Jeremia. 5 Avy eo dia nanome baiko an'i Baroka i Jeremia. Hoy izy: "Ato an-tranomaizina aho ary tsy afaka mankany an-tranon'Andriamanitra. 6 Koa tsy maintsy mandeha ianao ary hamaky ny teny izay notononiko ary nosoratanao tao anaty horonan-taratasy. Amin'ny andron'ny fifadian-kanina, dia tsy maintsy vakianao eo an-tsofin'ny vahoaka ao an-tranony ny tenin'i Yaveh, ary eo an-tsofin'ny Joda rehetra izay avy amin'ny tanànany ihany koa. Ambarao azy ireo ireo teny ireo. 7 Angamba ho tonga eo anatrehan'i Yaveh ihany ny fitalahoan'izy ireo famindram-po. Angamba hiala amin'ny lalan-dratsiny ihany ny olona tsirairay, satria mafy ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay efa nambaran'i Yaveh tamin'ireo vahoakany ireo." 8 Koa dia nataon'i Baroka zanaka lahin'i Neria izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany hatao. Novakiany mafy tao an-tranon'i Yaveh ireo tenin'i Yaveh. 9 Ary tamin'ny volana fahasivin'ny taona fahadimy nanjakan'i Joiakima zanaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda, no nanambaran'ny vahoaka rehetra tao Jerosalema sy ireo olona izay tonga tao Jerosalema avy any amin'ireo tanànan'i Joda ny fifadian-kanina ho voninahitr'i Yaveh. 10 Novakian'i Baroka mafy tao an-tranon'i Yaveh ny tenin'i Jeremia, avy eo amin'ny efitranon'i Gemaria zanaka lahin'i Safana mpanora-dalàna, tao ambonin'ny kianja, akaikin'ny vavahady fidirana ny tranon'i Yaveh. Nataony teo an-tsofin'ny vahoaka rehetra izany. 11 Ary ren'i Mikaia zanaka lahin'i Gemaria zanaka lahin'i Safana ny tenin'i Yaveh rehetra tao amin'ny horonan-taratasy. 12 Nidina tany an-tranon'ny mpanjaka izy, tao amin'ny efitrin'ny mpitan-tsoratra. Indreo, fa nipetraka teo avokoa ny manam-pahefana rehetra: Elisama mpitan-tsoratra, Delaia zanaka lahin'i Semaia, Elnatana zanaka lahin'i Akbora, Gemaria zanaka lahin'i Safana, sy Zedekia zanaka lahin'i Hanania, ary ny manam-pahefana rehetra. 13 Ary notaterin'i Mikaia tamin'izy ireo ny teny rehetra izay reny izay novakian'i Baroka mafy teo an-tsofin'ny vahoaka. 14 Ary nalefan'ireo manam-pahefana rehetra ho any amin'ny Baroka i Jehody zanaka lahin'i Netanaia zanaka lahin'i Selemia zanaka lahin'i Kosa. Hoy i Jehody tamin'i Baroka hoe: "Raiso eo an-tananao ny horonan-taratasy, dia ilay horonan-taratasy izay novakiana teo an-tsofin'ny vahoaka, ary avia." Ary Baroka zanaka lahin'i Neria nandray ny horonan-taratasy teny an-tananany ary nandeha tany amin'ireo manam-pahefana. 15 Ary hoy izy ireo taminy: "Mipetraha ary vakio eto an-tsofinay ity." Ka dia novakian'i Baroka ny horonan-taratasy. 16 Ary rehefa nandre ireo teny rehetra ireo izy ireo, dia nifampijery matahotra tamin'izay teo akaikiny ny olona tsirairay ka nanao tamin'i Baroka hoe: "Tsy maintsy tanterintsika amin'ny mpanjaka tokoa ireo teny rehetra ireo." 17 Avy eo dia nanontanian'izy ireo Baroka hoe: "Lazao anay, tamin'ny fomba ahoana no nanoratanao ireo teny izay notononin'i Jeremia rehetra ireo?" 18 Baroka nanao tamin'izy ireo hoe: "Notononiny tamiko ireo teny rehetra ireo, ary nosoratako tamin'ny ranomainty teo amin'ny horonan-taratasy." 19 Ary hoy ireo manam-pahefana tamin'i Baroka: "Mandehana, miafena ianao, ary i Jeremia koa. Aoka tsy hisy olona ahafantatra ny misy anareo." 20 Koa dia napetrak'izy ireo tao amin'ny efitr'i Eliasama mpitan-tsoratra ny horonan-taratasy, ary nandeha tany amin'ny mpanjaka teo an-kianja izy ireo, ka notanterin'izy ireo teo an-tsofin'ny mpanjaka ny zavatra rehetra. 21 Ary nirahin'ny mpanjaka haka ny horonan-taratasy i Jehody. Nalain'i Jehody tao amin'ny efitr'i Eliasama mpitan-tsoratra izany. Avy eo dia novakiany teo an-tsofin'ny mpanjaka sy ireo manam-pahefana rehetra izay nitsangana teo anilany izany. 22 Nipetraka tao amin'ny tranon-dririnina ny mpanjaka tamin'ny volana faha sivy, ary nisy fatana nirehitra teo anoloany. 23 Ary rehefa namaky tsanganana telo na efatra i Jehody, dia notapahin'ny mpanjaka tamin'ny antsy izany ka natsipiny tao anaty afo tao am-patana mandra-pahalevon'ny horonan-taratasy rehetra. 24 Nefa tsy nampitahotra na ny mpanjaka na ireo mpanompony izay nandre ireo teny rehetra ireo, na nandrovitra ny ankanjony izy ireo. 25 Nandrara ny mpanjaka mba tsy handoro ny horonan-taratasy i Elnatana, Delaia, ary Gemaria, fa tsy nihaino azy ireo izy. 26 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Jeremela havany, Seraia zanaka lahin'i Azriela, ary Selemia zanaka lahin'i Abdela mba hisambotra an'i Baroka mpanora-dalàna, sy i Jeremia mpaminany, nefa nafenin'i Yaveh izy ireo. 27 Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh taorian'ny nandoran'ny mpanjaka ny horonan-taratasy sy ireo teny izay nosoratan'i Baroka tamin'ny fanononan'i Jeremia, manao hoe: 28 "Miverena, mangalà horonan-taratasy iray hafa ho anao, ary soraty ao amin'izany ny teny rehetra izay tao amin'ilay horonan-taratasy voalohany, dia ilay efa nodoran'i Joiakima mpanjakan'i Joda. 29 Ary tsy maintsy lazainao amin'i Joiakima mpanjakan'i Joda izao: "Nodoranao ity taratasy ity, izay milaza hoe: 'Nahoana ianao no nanoratra teo amin'izany, 'Ho avy tokoa ny mpanjakan'i Babylona ka handrava ity tany ity, fa haringany na ny olona na ny biby ao amin'izany'?'"" 30 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh ny mahakasika anao, ry Joiakima mpanjakan'i Joda: "Tsy hisy intsony amin'ireo taranakao hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida. Raha ny aminao, ny fatinao dia hariana eny amin'ny hain'andro sy eny amin'ny fanalan'ny alina. 31 Fa ho faiziko ianao, ny taranakao, ary ireo mpanomponao nohon'ny helokareo rehetra. Ho entiko eo aminao, eo amin'ny mponin'i Jerosalema rehetra, ary eo amin'ny olon'i Joda rehetra ny loza rehetra izay efa nandrahonako anareo, nefa tsy notandremanareo akory." 32 Ka naka horonan-taratasy hafa i Jeremia ary nomeny an'i Baroka zanaka lahin'i Neria mpanora-dalàna izany. Nosoratan'i Baroka tamin'izany ny teny rehetra izay tao amin'ny horonan-taratasy nodoran'i Joiakima mpanjakan'i Joda tamin'ny fanononan'i Jeremia. Ary mbola nampiana teny maro hafa mitovitovy tamin'ity horonan-taratasy ity.
Io dia nampiasaina eto mba hanamarihana fiandohana fizarana vaovao amin'ny tantara. Raha manana fomba hafa hanehoana izany ny fiteninao dia azonao atao ny mampiasa izany.X
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 25:1.
Ny andian-teny "izao teny izao" dia manondro ny hafatra manaraka eo.
"efa nolazaiko anao nanomboka tamin'ny"
DH: "nanomboka tamin'ny fotoanan'i Josia mandrak'ankehitriny"
"mety mba ... ny mponin'i Joda"
"nomaniko ho atao amin'izy ireo"
"Mety mba ... ny olona rehetra"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 18:11.
"raha miteny iny i Jeremia, i Baroka dia manoratra ny teny rehetra izay nolazain'i Yaveh tamin'i Jeremia ao anaty horonan-taratasy"
"hanambara izay ao anatin'ilay horonan-taratasy" na "hamaky amin'ny feo avo izay ao anatin'ilay horonan-taratasy"
"araka izay lazaiko"
"ho vakinao mafy" na "hambaranao"
"mba afaka maheno izany ny olona ao an-tranon'i Yaveh"
"mba handre azy ireo ny vahoakan'i Joda izay avy any amin'ny tanànan'izy ireo tsirairay avy"
Manohy manome toromarika an'i Baroka i Jeremia.
"mety"
Ny teny "izy ireo" eto dia manondro ireo olona ao an-tranon'i Yaveh sy ny vahoakan'i Joda izay tonga tao amin'ny tranon'i Yaveh avy any amin'ny tanànan'izy ireo avy.
DH: "Hihaino ny talahon'izy ireo famindram-po Yaveh."
"Mety hibebaka izy ireo; ny olona tsirairay avy amin'ny fomba ratsiny"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 18:11.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 36:1.
Io dia ny volana fahasivy amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny tapany farany amin'ny volana November ary ny fiandohanan ny volana December amin'ny tetiandro tafavaratra. DH: "amin'ny fahasivin'ny volana ny taona fahefatra DH: "amin'ny volana fahasivy ao anatin'ny taona."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 25:1.
"Niantso ny rehetra mba andray anjara amin'ny fifadian-kanina"
Io no anaran'ilay olona.
"izay mpanora-dalàna"
"teo amin'ny fidirana amin'ilay vavahady vaovaon'ny tranon'i Yaveh"
Novakiany mafy ny tenin'i Jeremia.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 2:1.
Izany dia anaran-dehilahy.
"Mikaia zanaka lahin'i Gemaria izay zanaka lahin'i Safana"
"tao amin'ny efitrin'ny mpanora-dalàna"
Ny teny "indreo" eto dia manamafy izay teny manaraka azy.
Ireo dia anarana olona.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 26:20.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 26:22.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 36:9.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 28:1.
"ary ireo manam-pahefana hafa rehetra"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 36:11.
Ny teny "izy ireo" dia nanondro ireo manam-pahefana tao amin'ny 36:11.
"mba ho ren'ireo olona"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io teny io dia nampiasaina eto mba hanamariana tranga manan-danja amin'ny tantara. Raha manana fomba hafa azo andikana izany ny teninao, dia azonao atao ny mampiasa izany eto.
Ny teny "izy ireo" eto dia manondro ireo manam-pahefana.
Ireo teny tao amin'ilay horonan-taratasy izay novakian'i Baroka mafy.
"ahoana no nanoratanao"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 36:4.
Niteny mafy i Jeremia mba ahafahan'i Barokoa manoratra izay tononiny.
"nampiasa ranomainty hanoratana azy"
DH: "ary tokony hanafina ny tenany ihany koa i Jeremia."
Ny teny "anareo" dia manondro an'i Baroka sy i Jeremia.
Ny "izy ireo" eto dia manondro ireo manam-pahefana.
"nametraka ilay horonan-taratasy tao amin'ny efitr'i Eliasama"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 36:11.
Ireo teny tao amin'ilay horonan-taratasy izay notononin'i Jeremia tamin'i Baroka.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 36:13.
Io dia volana faha sivy amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia manomboka amin'ny fiafaran'ny vanim-potoana famafazana ary mifarana amin'ny vanim-potoana ririnina. Mandritra ny tapany faran'ny volana Novambra sy ny fiandohan'ny volana Desambra amin'ny tetiandro tandrefana.
Fitoerana afo izay afaka afindrafindra ny toerany.
Io teny io dia nampiasaina eto mba hanamariana tranga manan-danja amin'ny tantara. Raha manana fomba hafa azo andikana izany ny teninao, dia azonao atao ny mampiasa izany eto.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 36:13.
Ireo dia tsanganan-teny ao amin'ilay horonan-taratasy
"norantsanan'ny ... izany
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 36:11.
"nitalaho ny mpanjaka" na "nangataka ny mpanjaka"
Ireo dia anaran-dehilahy.
"havan'ny mpanjaka"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 36:4.
"mangalà horonan-taratasy iray hafa indray ho anao"
Nametraka io fanontaniana io i Joiakima mba hanamafisana fa tsy tokony nanoratra fa ho avy ary hanafika ny mpanjakan'i Babylona i Jeremia. DH: "tsy tokony nanoratra" na "diso ianao nanoratra"
"ary hamotika"
DH: "tsy hisy mpandovan'i Davida hanapa intsony." Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 29:15.
DH: "harian'ny olona any ivelany ny vata-mangatsiakanao"
"ny vata-mangatsiakanao"
"mba ho main'ny masoandro"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 36:4.
"izay nodoran'i Joiakima mpanjakan'i Joda tamin'ny afo"
DH: "Ary mbola nampian'i Jeremiasy Baroka teny maro hafa izay mitovy amin'ireo teny izay efa voasoratra tao amin'ilay horonan-taratasy voalohany."
1 Ary i Zedekia zanaka lahin'i Josia dia nanjaka tamin'ny toeran'i Jekonia zanak'i Joiakima. Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona no nanao an'i Zedekia ho mpanjaka teo amin'ny tanin'i Joda. 2 Fa i Zedekia, ireo mpanompony, sy ny vahoakan'ny tany dia tsy nihaino ireo tenin'i Yaveh izay nambarany tamin'ny alalan'ny tanan'i Jeremia mpaminany. 3 Ary Zedekia mpanjaka, Jehokala zanak'i Selemia, ary Zefania zanak'i Mahaseia mpisorona dia nandefa hafatra ho an'i Jeremia mpaminany. Hoy izy ireo: "Mivavaha amin'i Yaveh Andriamanitsika ho antsika." 4 Ary tonga i Jeremia ary nankeo amin'ny vahoaka, satria mbola tsy natao an-tranomaizina izy. 5 Tonga avy tany Egypta ny tafik'i Farao, ary ny Kaldeana izay nanao fahirano an'i Jerosalema dia nahare ny vaovao momba azy ireo ka niala tao Jerosalema. 6 Dia tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny Tenin'i Yaveh, manao hoe: 7 "Yaveh, Andriamanitr'Israely, milaza izao: Izao no ho lazainareo amin'ny mpanjakan'i Joda, satria nandefa anareo haka hevitra Amiko Izy, 'Indro, fa efa an-dalana hiverina ho any Egypt, izay taniny ny tafik'i Farao, izay tonga hanampy anao. 8 Ary hiverina ny Kaldeana. Hiady hanohitra ity tanàna ity izy ireo, hisambotra, sy handoro izany. 9 Hoy Yaveh hoe: "Aza mamitaka ny tenanareo amin'ny filazana hoe:' Efa nandao anay tokoa ireo Kaldeana,' fa tsy handao izy ireo. 10 Na dia efa naharesy ireo tafiky ny Kaldeana manontolo izay niady taminareo aza ianareo mba ho ireo lehilahiny maratra ihany no havela ao amin'ireo lainy, fa hiarina izy ireo ary handoro ity tanàna ity." 11 Ka tamin'ny nandaozan'ny tafikin'ny Kaldeana an'i Jerosalema no nahatongavan'ny tafik'i Farao, 12 dia nivoaka tao Jerosalema i Jeremia mba ho any amin'ny tanin'i Benjamina. Fa nikasa ny haka ny ampahany amin'ilay tany teo amin'ny vahoakany tao izy. 13 Raha teo amin'ny Vavahadin'i Benjamina izy, dia teo ny lehiben'ny mpiambina. Jiria zanak'i Selemia zanak'i Hanania no anarany. Nihazona an'i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: "Mandositra ireo Kaldeana ianao." 14 Nefa hoy Jeremia: "Tsy marina izany. Tsy mandositra ireo Kaldeana aho." Fa tsy nihaino azy i Jiria. Nalainy i Jeremia ary nentiny teo amin'ireo manam-pahefana. 15 Tezitra tamin'i Jeremia ireo manam-pahefana. Novelesin'izy ireo izy ary nampidiriny tao an-tranomaizina, izay tranon'i Jonatana mpanora-dalàna, satria navadik'izy ireo ho tranomaizina izany. 16 Ka natao tao amin'efitra ambanin'ny tany i Jeremia, izay nijanonany andro maromaro. 17 Ary nandefa olona hitondra azy ao an-dapa i Zedekia mpanjaka. Nanontany azy mangingina ny mpanjaka tao an-tranony hoe: "Misy teny avy amin'i Yaveh ve?" Namaly i Jeremia hoe: "Misy teny: ho atolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'ny Babilona ianao." 18 Dia hoy i Jeremia tamin'i Zedekia Mpanjaka: "Ahoana no nanotako taminao, ireo mpanomponao, na ity vahoaka ity ka dia nametrahanao ahy tany an-tranomaizina? 19 Aiza ireo mpaminaninareo, ireo izay naminany ho anao sy nilaza fa tsy ho avy hanohitra anao na ity tany ity ny mpanjakan'i Babilona? 20 Fa ankehitriny mihainoa, ry mpanjaka tompoko! Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fitalahoako. Aza averina any an-tranon'i Jonatana mpanora-dalàna aho, fa ho faty any aho." 21 Ka nanome baiko i Zedekia Mpanjaka. Notanan'ireo mpanompony teo amin'ny kianjan'ny mpiambina i Jeremia. Nomena mofo isan'andro avy eo amin'ny lalan'ireo mpanao mofo izy, mandra-pahalanin'ny mofo rehetra teo an-tanàna. Ka dia nitoetra teo an-kianjan'ny mpiambina i Jeremia.
"nambaran'i Yaveh"
DH: "tamin'i Jeremia izay mpaminany.3
Io dia anaran'olona.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 36:13.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 21:1.
Ny "antsika" eto dia manondro an'i Zedekia mpanjaka sy ireo vahoakan'i Joda ambony.
DH: "afaka nandeha tany amin'izay tiany aleha niaraka tamin'ny olon-kafa i Jeremia."
"satria tsy nisy nampiditra am-ponja azy"
"nanainga avy tany"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 32:1.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Ny "nareo" eto dia manondro ireo lehilahy roa izay nirahin'i Zedekia mpanjaka ho any amin'i Jeremia, Jehokala zanak'i Selemia, ary i Zefania zanak'i Mahaseia mpisorona.
Ny teny "Izy" eto dia manondro an'i Yaveh.
Io teny io dia mitondra fanamafisana amin'ny fehezanteny manaraka. DH: "tokoa"
Ampitahao amin'ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 34:20.
Ny teny "tenanareo" dia manondro an'i Zedekia mpanjaka sy ny vahoakan'i Joda ambony.
Ny vahoakan'i Joda dia mieritreritra fa hilamina izy ireo satria lasa ireo Kaldeana. DH: "Efa lasa ireo Kaldeana ka hilamina isika"
"hiarina ireo lehilahy maratra"
Io teny io dia nampiasaina teto mba hanamariana fiandohana fizarana vaovao eo amin'ny tantara. Raha manana fomba hafa azo andikana izany ny teninao, dia azonao atao ny mampiasa izany eto.
"ny sasany tamin'ilay tany"
"teo amin'ireo havany." Jeremia dia avy any amin'ny tanànan'i Anatota any amin'ny tanin'i Benjamina
Izany no anaran'ilay vavahady.
Izany no anaran'ilay olona.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 36:13.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 28:1.
"Mitsoaka ireo Kaldeana ianao"
"lainga izany"
"tsy nitsoaka"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 37:11.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:17.
"Jonatana izay mpanora-dalàna." Io dia anaran'olona"
DH: "natao'ireo manam-pahefana tao amin'ny efitra izay tany ambanin'ny tany i Jeremia"
"hitondra an'i Jeremia"
"ny lapan'i Zedekia mpanjaka"
Ny teny "ianao" eto dia manondro an'i Zedekia mpanjaka sy ny vahoakany.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 32:3.
Nametraka io fanontaniana io Jeremia mba hanamafisana fa izy dia tsy nanao zavatra tsy nety. DH: "Tsy nanao ratsy taminao aho ... an-tranomaizina."
Ny vahoaka ao amin'ny fanjakan'i Joda.
nampidirana
Nametraka io fanontaniana io Jeremia mba hanamafisana fa mandainga ireo mpaminany hafa fa tsy nanao zavatra ratsy izy fa nilaza ny marina. DH: "Ianareo mpaminany izay naminany ... hanohitra ity tany ity, dia diso tokoa, fa ankehitriny efa mazava fa miteny anareo ny marina aho."
Ny teny "nareo" eto dia manondro an'i Zedekia mpanjaka sy ireo vahoakan'i Joda hafa.
"tsy ho avy hanafika anao na ity tany ity"
Ampitaho tamin'ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 36:7.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 37:14.
"ny olona izay miambina"
"ireo mpanompony ihany koa dia nanome mofo an'i Jeremia"
"avy eo amin'ny lalana fiasan'ireo mpanao mofo
1 Nandre ny teny izay nambaran'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra i Safatia zanak'i Matana, sy Gedalia zanak'i Pasora, sy Jokala zanak'i Semelia, ary i Pasora zanak'i Malkia. Izy dia nilaza hoe: 2 "Yaveh nilaza izao: Izay rehetra mitoetra amin'ity tanàna ity dia ho fatin'ny sabatra, mosary, ary areti-mandringana. Fa izay rehetra mandeha mankany amin'ireo Kaldeana dia ho velona. Hanavotra ny ainy izy, ary ho velona. 3 Izao no lazain'Yaveh: Ity tanàna ity dia ho atolotra eo an-tanan'ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona, ary hisambotra izany izy." 4 Koa hoy ireo manam-pahefana tamin'ny mpanjaka: "Aoka ho faty ity lehilahy ity, fa tamin'izany fomba izany no nanalefahany ny tanan'ireo lehilahy mpiady tavela ato amin'ity tanàna ity, ary ny tanan'ny vahoaka rehetra. Manambara ireto teny ireto izy, fa tsy niasa hiaro ny vahoakany ity lehilahy ity, fa ho an'ny loza." 5 Ka hoy i Zedekia Mpanjaka: "Indro, eo an-tananao izy satria tsy misy mpanjaka afaka manohitra anao." 6 Ary nalain'izy ireo i Jeremia ka natsipiny tao amin'ny famorian-dranon'i Malkia, zanaky lahin'ny mpanjaka. Tao ankianjan'ny mpiambina ilay famorian-drano. Nampidinin'izy ireo tamin'ny tady i Jeremia. Tsy nisy rano tao amin'ny famorian-drano, fa namotaka izany, ka niletika tao amin'ny fotaka izy. 7 Ary Ebeda-Meleka Kosita dia iray tamin'ireo tandapa tao amin'ny tranon'ny mpanjaka. Henony fa nataon'izy ireo tao anaty famorian-drano i Jeremia. Ary nipetraka teo amin'ny Vavahadin'i Benjamina ny mpanjaka. 8 Koa nandeha avy tao amin'ny tranon'ny mpanjaka i Ebeda-Meleka ary niresaka taminy. Hoy izy: 9 "Ry mpanjaka tompoko, ireto lehilahy ireto dia efa nanao ratsy tamin'ny fomba nitondrany an'i Jeremia mpaminany. Natsipin'izy ireo tao anaty famorian-drano izy mba ho fatin'ny hanoanana ao, satria tsy misy sakafo intsony ao amin'ny tanàna." 10 Dia nanome baiko an'i Ebeda-Meleka Etiopiana ny mpanjaka. Hoy izy: "Mitondrà lehilahy telopolo avy eto ary avohay avy tao amin'ny famorian-drano i Jeremia alohan'ny hahafatesany." 11 Koa nitondra ireo lehilahy ireo izy ary nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka, tany amin'ny trano fitehirizana akanjo tao ambanin'ny trano. Tao izy no naka lamba rovitra sy vorodamba ary nampidina azy ireo tamin'ny tady nankao amin'i Jeremia tao amin'ny famorian-drano. 12 Hoy i Ebeda-Meleka Kosita tamin'i Jeremia: "Ataovy eo ambanin'ny sandrinao sy eo amin'ny lohan'ny tady ny lamba rovitra sy ny vordamba." Ka nataon'i Jeremia izany. 13 Dia nosintomin'izy ireo tamin'ny tady i Jeremia. Izany no fomba namoahan'izy ireo azy tao amin'ny famorian-drano. Ka nijanona teo teo amin'ny tokotanin'ny mpiambina i Jeremia. 14 Nandefa teny i Zedekia Mpanjaka ary nitondra an'i Jeremia mpaminany nankany aminy, ho any amin'ny fidirana fahatelo ao amin'ny tranon'i Yaveh. Hoy ny mpanjaka tamin'i Jeremia: "Te hanontany zavatra anao aho. Aza afenina ahy ny valiny." 15 Hoy i Jeremia tamin'i Zedekia: "Raha mamaly anao aho, dia tsy hamono ahy tokoa ve ianao? Kanefa raha manome torohevitra anao aho, dia tsy hihaino ahy ianao." 16 Saingy nianiana manokana tamin'i Jeremia ny mpanjaka ary niteny hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, ilay nahary antsika, dia tsy hamono anao aho na hanolotra anao eo an-tanan'ireo lehilahy izay mifofo ny ainao ireo." 17 Ka hoy i Jeremia tamin'i Zedekia: "Yaveh, Andriamanitra tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely nilaza izao: "Raha miala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona ianao dia ho velona, ary tsy ho may ity tanàna ity. Ho velona ianao sy ny ankohonanao. 18 Fa raha tsy miala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona ianao, dia ho atolotra eo an-tanan'ireo Kaldeana ity tanàna ity. Ho doran'izy ireo izany, ary tsy ho afa-mandositra eo an-tanan'izy ireo ianao." 19 Hoy i Zedekia Mpanjaka tamin'i Jeremia: "Kanefa matahotra ny vahoakan'i Joda izay nitsoaka nankany amin'ireo Kaldeana aho, satria mety ho atolotra eo an-tanan'izy ireo aho mba ho viravirain'izy ireo." 20 Hoy i Jeremia: "Izy ireo dia tsy hanolotra anao eo amin'izy ireo. Ankatoavy ny hafatr'i Yaveh izay lazaiko anao, mba handeha tsara ny zava-drehetra ho anao, ary mba ho velona ianao. 21 Fa raha mandà ny hiala ianao, dia izao no efa nasehon'i Yaveh tamiko. 22 Indro! Ny vehivavy rehetra izay tavela ao an-tranonao, ry mpanjakan'i Joda, dia ho entina hiala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona. Hiteny aminao ireo vehivavy ireo hoe: 'Voafitak'ireo namanao ianao; efa nanimba anao izy ireo. Ankehitriny dia milentika anaty fotaka ny tongotrao, ary ireo namanao dia hitsoak.' 23 Fa ho entina hiala eo amin'ireo Kaldeana ny vady aman-janakao rehetra, ary ny tenanao dia tsy ho afaka hitsoaka eny an-tanan'izy ireo. Ho voasambotry ny tanan'ny mpanjakan'i Babylona ianao, ary ity tanàna ity dia ho may." 24 Dia hoy i Zedekia tamin'i Jeremia: "Aza ampahafantarina an'iza na iza ny mahakasika ireo teny ireo, mba tsy ho faty ianao." 25 Raha henon'ny manam-pahefana fa niresaka taminao aho, ary raha tonga izy ireo ka milaza aminao hoe: 'Lazao aminay izay nolazainao tamin'ny mpanjaka, ary aza afenina anay izany, raha tsy izany dia ho vonoinay ianao', 26 dia tsy maintsy hiteny azy ireo ianao hoe: 'Nanao fangatahana teo anatrehan'ny mpanjaka aho mba tsy hamerenany ahy any an-tranon'i Jonatana ka ho faty any."' 27 Dia tonga teo amin'i Jeremia ireo manam-pahefana rehetra ary nanontany azy, ka namaly azy ireo araka izay natoron'ny mpanjaka azy izy. Ka nijanona niresaka taminy izy ireo, satria tsy nahare ny resak'i Jeremia sy ny mpanjaka. 28 Noho izany dia nijanona teo ankianjan'ny mpiambina i Jeremia nandra-pahatongan'ny andro nisamborana an'i Jerosalema.
Ny anarana ao amin'ity lisitra ity dia anaran-dehilahy avokoa.
"ho matin'ny sabatra, mosary, ary areti-mandringana"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 21:8.
"Avelako ho resin'ny tafikin'ny mpanjaka an'i Babylona i Jerosalema"
"hisambotra izany ny tafiny"
DH: "Nahatonga ireo miaramila sy ny vahoaka rehetra tsy hanana risim-po izy"
DH: "fa i Jeremia dia tsy niasa mba hanampy ny vahoaka, fa niasa handratra ity vahoaka ity"
Ny teny "indro" eto dia manampy fanamafisana ny fehezanteny izay manaraka azy. DH: "Jereo, manana fahefana eo aminy ianao"
Ny "'ny famorian-drano" dia lavaka lalina amin'ny tany izay nampiasaina mba hanangonana ranon'orana. DH: "nandatsaka azy tao anaty famorian-dratsy"
Io dia milaza ny fomba "nanipazana" azy tao amin'ilay famorian-drano.
Izany no anaran'ilay lehilahy avy any Kosy.
Eto ny teny "Ary" dia manamarika fitsaharana amin'ny fizotry ny tantara izay ilazan'ny mpitantara fampahafantarana mahakasika izay nataon'ny mpanjaka.
Mety nandre sy nitsara ireo raharaha ara-dalàna.
Io dia fidirana mankao amin'ny tanànan'i Jerosalema izay nantsoin'ny olona tamin'ny anaran'i Benjamina, zanaka lahin'i Jakoba.
DH: "lehilahy 30"
"nampiasa tady ampidinana azy ireo"
"ary manodidina ilay tady"
Ny teny "izy ireo" dia manondro ny sasany tamin'ireo lehilahy telopolo izay niaraka tamin'i Ebeda-Meleka.
Nametraka io fanontaniana io Jeremiah mba hanehoana fa ny mpanjaka dia hamono azy raha mamaly azy ampahamarinana izy. DH: "raha milaza aminao ny marina aho dia azo antoka fa ho vonoinao"
Niteny an'io ny mpanjaka mba hanamafisana fa marina izay ho lazainy manaraka eo.
Eto ny "tanana" dia midika ho fahefana na fifehezan'ireo lehilahy. DH: "tsy hamono ... hamela ireo lehilahy ireo hisambotra anao"
DH: "izay miezaka ny hamono anao"
DH: "Andriamanitrin'ny vahoakan'Israely"
DH: "tsy ho doran'ny tafika Babyloniana ity tanàna ity"
DH: "hamela ireo Kaldeana handresy ity tanàna ity Aho"
DH: "tsy ho afa-mandositra eo amin'ny fahefan'izy ireo ianao"
Eto ny "tanana" dia midika ho fahefana na fifehezana. DH: "mety ho atolotr'ireo Kaldeana ho eo an-tanan'ireo Jodeana aho"
Eto ny teny "izy ireo" dia manondro an'ireo Jodeana.
Ireo Kaldena dia Izy dia tsy hanolotra anao eo amin'ireo Jodeana." Eto ny "anao" dia manondro an'i Zedekia.
Eto ny "izao" dia manondro izay ho lazain'i Jeremia manaraka.
Manohy miresaka amin'i Zedekia mpanjaka i Jeremia.
DH: "Ho entin'ireo miaramila ny vehivavy rehetra tavela ... hiala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona"
DH: "namitaka anao ireo namanao"
Midika izany fa tafalatsaka anaty fahasahirananailay mpanjaka.
DH: "Fa ho entin'ireo miaramila hiala eo amin'ireo Kaldeana ny vady aman-janakao rehetra"
DH: "tsy ho afaka hiala eo amin'ny fahefan'izy ireo"
Eto ny teny "tanana" dia manondro ny fahefan'ny mpanjaka na ny tafiny. DH: "Ny tafikin'ny mpanajakan'i Babylona dia hisambotra anao ary handoro ity tanàna ity"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 37:14.
DH: "nandra-pahatongan'ny tafika Babyloniana hisambotra an'i Jerosalema"
1 Tamin'ny taona fahasivy sy volana fahafolo nanjakan'i Zedekia mpanjakan'i Joda, dia tonga niaraka tamin'ny tafiny rehetra i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona hanohitra an'i Jerosalema ka hanao fahirano izany. 2 Tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo sy volana fahefatra nanjakan'i Zedekia, tamin'ny andro fahasivin'ny volana, dia voatafika ny tanàna. 3 Dia tonga ka nipetraka teo afovoan'ny vavahady ny manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona rehetra: Nergala-Sarezera, Samgarnebo, ary Sarsekima, manam-pahefana lehibe iray. I Nergala-Sarezera dia manam-pahefana ambony ary ireo ambiny rehetra dia manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona. 4 Ary rehefa nahita azy ireo Zedekia, mpanjakan'i Joda, sy ireo lehilahy mpiadiny rehetra, dia nandositra. Nivoaka ny tanàna avy teo amin'ny lalan-kelin'ny zaridaina izy ireo ny alina, teo amin'ny vavahady anelanelan'ireo manda roa. Nivoaka nizotra nankany Araba ny mpanjaka. 5 Saingy nanenjika azy ireo ny tafika Kaldeana ary nahatratra an'i Zedekia teo amin'ny lemaky ny lohasahan'ny Reniranon'i Jordana teo akaikin'i Jeriko. Dia nosamborin'izy ireo izy ka nentiny niakatra tany amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao Ribla tany amin'ny tanin'i Hamata, izay nanomezan'i Nebokadnezara sazy azy. 6 Novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla teo imasony mihitsy ireo zanaka lahin'i Zedekia. Novonoiny ihany koa ireo olona ambonin'i Joda rehetra. 7 Dia noloarany ny mason'i Zedekia ary nofatorany gadra varahina mba hitondrany azy any Babylona. 8 Dia nodoran'ireo Kaldeana ny tranon'ny mpanjaka sy ny tranon'ny vahoaka. Nazeran'izy ireo ihany koa ny mandan'i Jerosalema. 9 Nebozaradana, mpifehin'ireo mpiambina manokan'ny mpanjaka, nanao an-tsesintany ny vahoaka sisa izay tavela tao an-tanàna. Tao anatin'izany ireo olona izay vaky nankany amin'ireo Kaldeana sy ny vahoaka sisa izay tavela tao an-tanàna. 10 Fa navelan'i Nebozaradana mpifehin'ireo mpiambina manokan'ny mpanjaka hijanona ao amin'ny tanin'i Joda kosa ireo olona mahantra indrindra tsy nanana na inona na inona ho azy ireo. Nomeny tanim-boaloboka sy saha tamin'io andro io ihany izy ireo. 11 Nanome baiko momba an'i Jeremia tamin'i Nebozaradana mpifehin'ireo mpiambina manokan'ny mpanjaka i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona. Hoy izy hoe: 12 "Ento izy ary karakarao. Aza manisy ratsy azy. Ataovy aminy izay rehetra lazainy aminao." 13 Koa nandefa olona i Nebozaradana mpifehin'ireo mpiambina manokan'ny mpanjaka, Nebosazbana ionoka ambony, Negarala-Sarezera manam-pahefana ambony, ary ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'ny Babylona ambony indrindra. 14 Nentin'ireo lehilahiny niala avy teo amin'ny tokotanin'ny mpiambina i Jeremia ary nankinin'izy ireo tamin'i Gedalia zanak'i Ahikama zanak'i Safana, mba hitondra azy hody, koa dia nitoetra teo amin'ny vahoaka i Jeremia. 15 Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh teo am-pisamborana azy teo an-tokotanin'ny mpiambina, nanao hoe: 16 "Miresaha amin'i Ebeda-Meleka Kosita ary ataovy hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely: Indro, efa hanatanteraka ny teniko nanohitra ity tanàna ity ho amin'ny loza fa tsy ho amin'ny soa Aho. Fa ho tanteraka eo anoloanareo avokoa ireo amin'izany andro izany. 17 Fa hamonjy anao Aho amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh—ary tsy ho atolotra eo an-tanan'ny olona izay atahoranao ianao. 18 Fa hanavotra anao tokoa Aho. Tsy ho lavon-tsabatra ianao. Hanavotra ny ainao ianao, satria matoky Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh."'
Io dia volana fahafolo amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny tapany faran'ny volana Desambra ary ny fiandohan'ny volana Janoary amin'ny tetiandro Tandrefana. DH: "tamin'ny volana fahafolo ny taona faha sivy naha mpanjakan'i Joda an'i Zedekia."
Io dia volana fahefatra amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahiraika ambin'ny folon'ny volana dia manakaiky ny volana Jolay amin'ny tetiandro Tandrefana. DH: "tamin'ny andro fahasivin'ny volana fahefatra tamin'ny taona nanjakan'i Zedekia mpanjaka."
Ireo dia anaran-dehilahy.
"teo afovoan'ny vavahady miditra mankao amin'ilay tanàna. Mahazatra an'ireo mpitarika ny mipetraka eo amin'ilay vavahadin'ny tanàna mba hiresahana zavatra manan-danja.
"Niala ny tanàna teo amin'ny lalan'ny zaridainan'ny mpanjaka izy ireo ny alina"
Io ilay tany mahitsy eo atsimon'ilay lemaka.
Ribla dia tanàna ao anaty farintanin'i Hamata. Any Syria izy ireo.
"nanaraka ... ary navoasambotra"
"nanapahany hevitra amin'izay fomba hanasaziany azy"
DH: "raha nijery azy ireo manao izany izy"
"Nataon'ireo lehilahin'ny mpanjaka jamba i Zedekia"
Io dia anaran-dehilahy.
"Mpiambina an'i Nebokadnezara"
"ny olona nitoetra farany tao amin'ilay tanàna"
Ireo dia anaran-dehilahy.
nandefa olona haka an'i Jeremia"
"teo amin'ireo olona tavela tao Joda"
Ity tantara ity dia nitranga mialohan'ilay tranga tao amin'ny tapany voalohan'ilay andininy.
Io dia manamarika ampahany vaovao amin'ny tantara.
"Niresaka taminr'i Jeremia Yaveh nanao hoe"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 38:7.
"hitondra loza amin'ity tanàna ity araka ny efa nambarako Aho"
"fa ho hitanao fa hitranga izany rehetra izany amin'io andro io"
Manohy miresaka amin'i Jeremia Yaveh.
Io dia manondro ilay andro handrodanan'ireo Babyloniana ireo mandan'i Jerosalema mba hamotehana ilay tanàna.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Eto ny "tanana" dia midika ho fahefana na fifehezana. DH: "tsy handratra anao ireo olona hatahoranao"
DH: "tsy misy olona hamono anao amin'ny sabany"
1 Tonga tamin'i Jeremia ny teny avy tamin'i Yaveh taorian'ny nanafahan'i Nebozaradana ilay mpifehy ireo mpiambina ny mpanjaka azy tany Rama. Nahita an'i Jeremia nifatotra rojo teo amin'ireo babon'i Jerosalema rehetra sy Joda izay nentina natao sesitany tany Babylona. 2 Ny lehiben'ny mpiambina naka an'i Jeremia ary nanao taminy hoe: "Nandidy izao loza izao ho an'ity toerana ity i Yaveh Andriamanitrao. 3 Koa nanatanteraka izany i Yaveh. Nanao araka izay nambarany Izy, satria ianareo ry vahoaka dia nanota taminy ary tsy nankatò ny feony. Izany no antom-pisian'izao zavatra izao aminareo ry vahoaka. 4 Fa indro ankehitriny, manafaka anao amin'ny rojo izay eny an-tananao aho anio. Raha sitrakao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia andao, ary hikarakara anao aho. Fa raha tsy sitrakao kosa ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia aza atao izany. Jereo ny tany rehetra manoloana anao. Ka mandehana amin'izay tsara izay mety eo imasona." 5 Rehefa tsy namaly Jeremia, dia hoy Nebozaradana hoe: "Mandehana any amin'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana, izay nampiandraiketin'ny mpanjakan'i Babylona ny tanànan'i Joda. Miaraha mipetraka aminy eo amin'ireo vahoaka na mandehana any amin'izay sitrakao andehanana." Nanome sakafo sy fanomezana ho azy ny mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka, ary avy eo dia nandefa azy. 6 Koa dia nandeha tany amin'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama, tany Mizpa i Jeremia. Niara-nipetraka taminy teo amin'ireo vahoaka izay sisa velona tamin'ilay tany izy. 7 Ary raha mbola tany ambanivohitra ny mpifehin'ireo miaramila Jodeana—izy ireo sy ireo olony—dia nahare fa efa nanao an'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama, ho governoran'ny tany ny mpanjakan'i Babylona. Ren'izy ireo ihany koa fa efa nampiandraiketiny azy ireo lehilahy, ireo vehivavy, ary ireo zaza izay olona mahantra indrindra teo amin'ilay tany, ireo izay tsy natao sesitany tany Babylona. 8 Koa dia nandeha tany amin'i Gedalia tany Mizpa izy ireo. Ireo lehilahy ireo dia Ismaela zanaka lahin'i Netania; Johanana sy Jonatana, zanaka lahin'i Karea; Seraia zanaka lahin'i Tanometa; ireo zanaka lahin'i Efay Neofatita; ary Jazania zanaka lahin'ilay Makatita_izy ireo sy ny olony. 9 Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana dia nanao fianianana tamin'izy ireo sy ny olony ary nanao tamin'izy ireo hoe: "Aza matahotra ny hanompo ny manam-pahefan'ny Kaldeana. Mitoera eo amin'ilay tany ka tompoy ny mpanjakan'i Babylona, ary hahita soa ianareo. 10 Indro, honina any Mizpa aho mba hihaona amin'ireo Kaldeana izay tonga teto amintsika. Koa mamokara divay, voka-pahavaratra, sy diloilo ary tehirizo ao amin'ny fitehirizanareo ireo. Mitoera amin'ny tanàna izay efa nisy anareo." 11 Ary ny Jiodeana rehetra tany Moaba, teo amin'ireo vahoakan'i Amona, sy ny tao Edoma, ary izay tao amin'ny tany rehetra dia nandre fa namela ny Joda sisa tavela hijanona ny mpanjakan'i Babylona, izay nanendreny an'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana teo amin'izy ireo. 12 Koa dia niverina avy tany amin'ny toerana izay nanaparitahany avy ny Jodeana rehetra, ho any Gedalia tany Mizpa. Namokatra divay sy voka-pahavaratra maro dia maro izy ireo. 13 Johanana zanaka lahin'i Karea sy ireo mpifehy tafika rehetra tany an-tsaha tonga tao amin'i Gedalia tany Mizpa. 14 Hoy izy ireo taminy hoe: "Moa fantatrao ve fa i Balisa mpanjakan'ny vahoakan'i Amona no nandefa an'i Ismaela zanaka lahin'i Netania mba hamono anao?" Kanefa i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama tsy nino azy ireo. 15 Koa dia niteny mangina tamin'i Gedalia i Johanana zanaka lahin'i Karea ary nanao taminy hoe: "Mamelà ahy handeha hamono an'i Ismaela zanaka lahin'i Netania. Tsy hisy hiahiahy ahy. Nahoana izy no hamono anao? Nahoana no navela hiparitaka ny Joda rehetra izay efa niangona teo aminao ary ireo sisa tavela tao Joda rehetra ho rava?" 16 Fa Gedalia zanaka lahin'i Ahikama niteny tamin'i Johanana zanaka lahin'i Karea hoe: "Aza manao izany zavatra izany, fa miampanga lainga momba an'i Ismaela ianao."
"Izao no nolazain'i Yaveh tamin'i Jeremia"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 30:8
DH: "izay nalefan'ireo miaramila ho sesitany tany Babylona"
DH: "nanao izay efa nolazainy fa ho ataony Yaveh"
DH: "satria ianareo Jodeana dia nanota tamin'i Yaveh ary tsy nakatò ny didiny"
"nitrangan'ny loza"
Nebozaradana dia nilaza izao mba hisarihana ny olona ny amin'ny fotoana ankehitriny.
DH: "izay tianao"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 39:11
"eo amin'ireo Jodeana"
"izay hitanao fa tsara"
"izay nijanona tao Joda"
Io dia manamarika fizarana vaovao ao amin'ny tantara.
"ireo izay tsy nalefan'ireo miaramila fahavalo tany fahavalo"
Ireo dia anaran-dehilahy ao amin'ny 40:8.
Io dia manondro ny olona avy any amin'ny faritr'i Maka.
"nianiana tamin'ireo mpifehy Jodeana"
Io dia manondro ireo vokatra isaky ny vanim-potoana.
"Mitoera ao amin'ny tanananareo"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 32:10.
DH: "ny Jodeana rehetra teo amin'ny vahoakan'i Amona."
"ny sisa tavela tamin'ny vahoakan'i Joda"
"Nametrahany ... hisahana azy ireo
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 39:11
"teo amin'ny vahoakan'i Joda
"izay nitsoahan'ny Jodeana rehetra" DH: "izay nandefasan'ireo Babyloniana ny Jodeana rehetra."
"voaloboka sy voakazom-pahavaratra be dia be"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 40:9
Jereo ny fomba nandikanao ireo anarana ireo tao amin'ny 40:7
Jereo ny fomba nandikanao izany anarana izany tao amin'ny 39:11.
"Tokony ho fantatrao fa i Balisa mpanjakan'ny vahoakan'i Amona no nandefa an'i Ismaela zanaka lahin'i Netania hamono anao!"
Io no anaran'ilay mpanjaka.
Jereo ny fomba nandikanao ireo anarana ireo tao amin'ny 40:7.
Jereo ny fomba nandikanao ireo anarana ireo tao amin'ny 20:22.
Jereo ny fomba nandikanao izany anarana ireo tao amin'ny 40:7.
"niresaka miafina tamin'i Gedalia"
Jereo ny fomba nandikanao ireo anarana ireo tao amin'ny 39:11.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 40:7.
"tsy hisy hafantatra"
"tsy tokony hamela azy hamono anao ianao."
"aza mamela ny vahoaka maro"
"ireo vahoakan'i Joda izay tonga teo aminao"
"handositra any amin'ny toerana maro samihafa"
"ary hamela ireo sisa tavela tao Joda ho faty."
Jereo ny fomba nandikanao io anarana io tao amin'ny 26:22.
1 Ary tamin'ny volana fahafito dia tonga tany amin'i Gedalia zanak'i Ahikama, tany Mizpa i Isimaela zanak'i Netania zanak'i Elisama, avy amin'ny fianakavian'ny mpanjaka, sy ny sasany tamin'ny manam-boninahitry ny mpanjaka—olona folo no niaraka taminy. Niara nihinana sakafo tany Mizpa izy ireo. 2 Fa Isimaela zanak'i Netania, ary ireo olona folo izay niaraka taminy dia nitsangana ary nanafika an'i Gedalia zanak'i Ahikama zanak'i Safana, tamin'ny sabatra. Novonoin'i Isimaela i Gedalia, izay napetraky ny mpanjakan'i Babylona hiandraikitra ny tany. 3 Ary novonoin'ny Isimaela ireo Jiosy rehetra izay niaraka tamin'i Gedalia tany Mizpa sy ireo Kaldeana mpiady hita tao. 4 Ary tonga ny andro faharoa taorian'ny namonoana an'i Gedalia, saingy tsy nisy nahalala. 5 Ny sasany tamin'ireo olona dia tonga avy any Sekema, avy any Silo, ary avy any Samaria—olona valopolo izay nanarata ny volombavany, nandriatra ny ankajony, ary nandidy ny tenany—niaraka tamin'ny fanatitra hoanina sy emboka manitra teny an-tanan'izy ireo mba handehanana ao amin'ny tranon'i Yaveh. 6 Koa niala tao Mizpa i Isimaela zanak'i Natania mba hitsena azy ireo teny am-pandehanana, sady nitomany. Ary raha nihaona tamin'izy ireo iny izy, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana any amin'i Gedalia zanak'i Ahikama!" 7 Ary rehefa tonga tany amin'ny tanàna izy ireo, dia novonoin'i Isimaela zanak'i Netania sady nariany tao an-davaka izy ireo, izy sy ireo olona niaraka taminy. 8 Kanefa nisy olona folo tamin'izy ireo nilaza tamin'i Isimaela hoe: "Aza mamono anay, fa misy vatsinay any an-tsaha: vary hordea, menaka sy tantely." Koa tsy novonoiny niaraka tamin'ireo namany hafa izy ireo. 9 Ny famorian-drano izay nandatsahan'i Isimaela ny maty rehetra izay novonoiny, dia famorian-drano lehibe izay nohadian'i Asa Mpanjaka ho fiarovana hanoherana an'i Basa mpanjakan'ny Israely. Nofenoin'i Isimaela zanak'i Natania an'ireo faty izany. 10 Avy eo dia nosamborin'i Isimaela ireo olona rehetra izay tany Mizpa, ireo zanaka vavin'ny mpanjaka sy ireo olona rehetra izay sisa tavela tany Mizpa izay efa notendren'i Nebozaradana lehiben'ny mpiambina ho an'i Gedalia zanak'i Ahikama. Koa nisambotra azy ireo i Isimaela zanak'i Natania ary nandeha nanavatsava teo amin'ny olon'i Amona. 11 Fa i Johanana zanak'i Karea sy ireo mpifehin'ny tafika niaraka taminy dia nandre ny loza rehetra izay nataon'i Isimaela zanak'i Natania. 12 Koa nalain'izy ireo ny olony rehetra ary nentiny hiady hanohitra an'i Isimaela zanak'i Natania. Hitan'izy ireo tany amin'ny dobo lehiben'i Gibeona izy. 13 Ary rehefa hitan'ny olona rehetra izay niaraka tamin'i Isimaela i Johanana zanak'i Karea sy ireo mpifehin'ny tafika rehetra niaraka taminy, dia tena faly izy ireo. 14 Koa nitodika ireo olona rehetra izay nosamborin'Isimaela tao Mizpa ka nandeha tany amin'i Johanana zanak'i Karea. 15 Fa nandositra niaraka tamin'ny lehilahy valo avy tany Johanana i Isimaela zanak'i Netania. Nankany amin'ny vahoakan'i Amona izy. 16 Nalain'i Johanana zanak'i Karea avy any Mizpa ireo olona rehetra izay navotana tamin'i Isimaela zanak'i Netania. Izany dia taorian'ny namonoan'Isimaela an'i Gedalia zanak'i Ahikama. Naka ireo lehilahy mahery, ireo lehilahy mpiady, ireo zaza amam-behivavy, ary ireo tandapa izay avotra tao Gibeona i Johanana sy ireo namany. 17 Dia nandeha izy ireo ka nitoetra fotoana fohy tany Gerota Kimama, izay teo akaikin'i Betlehema. Nandeha tany Egypta izy ireo noho ireo Kaldeana. 18 Izy ireo dia natahotra azy ireo satria novonoin'i Isimaela zanak'i Netania i Gedalia zanak'i Ahikama, izay nampiandraiketan'ny mpanjaka ilay tany.
Io teny io dia nampiasaina eto mba hanamariana fiandohana fizarana vaovao ao amin'ny tantara. Raha manana fomba hafa azo andikana izany ny teninao, dia azonao atao ny mampiasa izany eto.
Io dia volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny tapaky ny faran'ny volana Septambra hatramin'ny fiandohan'ny volana Oktobra amin'ny tetiandro tandrefana.
Ireo dia anaran-dehilahy.
"lehilahy 80"
Ny "tanana" dia misolo-toerana ireo lehilahy. DH: "teny amin'izy ireo"
DH: "raha nanatona akaiky ireo lehilahy 80 Ismaela"
o teny io dia nampiasaina eto mba hanamariana tranga manan-danja amin'ny tantara. Raha manana fomba hafa azo andikana izany ny teninao, dia azonao atao ny mampiasa izany eto.
DH: "namono ny ankabetsahan'ireo lehilahy 80 Isimaela zanak'i Netania y ireo olona niaraka taminy."
Ny "izy ireo" eto dia manondro ireo lehilahy 80.
Ireo zavatra rehetra izay nilaina hamatsiana ny filàna ho amin'ny ho avy.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo dia anaran-dehilahy
"Hitan'izy ireo Ismaela sy ireo lehilahiny"
o teny io dia nampiasaina eto mba hanamariana tranga manan-danja amin'ny tantara. Raha manana fomba hafa azo andikana izany ny teninao, dia azonao atao ny mampiasa izany eto.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Jereo ny fomba nandikanao ireo anarana ireo tao amin'ny 41:1.
Jereo ny fomba nandikanao ireo anarana ireo tao amin'ny 41:11.
"navotany sy ny tafiny tamin'i Ismaela"
Najanon'ny mpamorona ilay tantara mba hanondroana tranga nisy teo aloha mba hanamora ny fahazoana ny fandehan'ny tantara.
Io dia anaran-tanàna.
DH: "satria izy ireo nihevitra fa mety hanafika azy ireo ireo Kaldeana.
DH: "hisahana ilay tanin'i Joda"
1 Dia nanatona an'i Jeremia mpaminany ny mpifehy tafika rehetra sy i Johanana zanaka lahin'i Karea, Jazania zanaka lahin'i Hosaia, sy ny vahoaka rehetra nanomboka tamin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra. 2 Hoy izy ireo taminy hoe: "Aoka ho tonga eo anatrehanao ny talahonay. Mivavaha ho anay amin'i Yaveh Andriamanitrao noho ireo vahoaka sisa ireo satria vitsy anisa loatra izahay, araka izao hitanao izao. 3 Lazao i Yaveh Andriamanitrao mba hiteny aminay ny lalana tokony halehanay sy izay tokony hataonay." 4 Koa dia hoy Jeremia mpaminany tamin'izy ireo hoe: "Efa reko ianareo. Indro, hivavaka amin'i Yaveh Andriamanitrareo araka izay efa nangatahinareo aho. Na inona na inona havalin'i Yaveh, dia ho teneniko aminareo. Tsy hihazona na inona na inona aminareo aho." 5 Hoy izy ireo tamin'i Jeremia hoe: "Yaveh anie ho vavolombelona marina sy tsy mivadika ho antsika raha tsy manao izay rehetra lazain'i Yaveh Andriamanitrao ho ataonay izahay." 6 Na ho tsara na ho ratsy izany, dia hankatò ny feon'i Yaveh Andriamanitray izahay, izay hanirahanay anao, mba hahasoa anay rehefa mankatò ny feon'i Yaveh Andriamanitray izahay." 7 Tamin'ny fiafaran'ny andro fahafolo, dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh. 8 Koa dia niantso an'i Johanana zanaka lahin'i Karea sy ireo mpifehy tafika miaraka aminy rehetra i Jeremia, ary ny vahoaka rehetra nanomboka tamin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra. 9 Dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely—izay nanirahanareo ahy mba ahafahako mametraka ny talahonareo eo anatrehany—manao hoe: 10 "Raha miverina sy mitoetra eto amin'ity tany ity ianareo, dia hanarina anareo Aho fa tsy hamotika anareo; hamboly anareo Aho fa tsy hanongotra anareo, fa hanala ny loza izay efa nentiko teo aminareo Aho. 11 Aza matahotra ny mpanjakan'i Babylona, izay atahoranareo. Aza matahotra azy—izany no fanambaran'i Yaveh—satria Izaho momba anareo mba hamonjy sy hanavotra anareo eny an-tanany. Fa Izaho hanome anareo famindram-po. 12 Hanana fangoraham-po aminareo Aho, ary Izaho hitondra anareo hiverina amin'ny taninareo. 13 Nefa raha hoy ianareo hoe: "Tsy hitoetra eto amin'ity tany ity izahay"—raha tsy mihaino ny feoko, izay feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo. 14 Raha hoy ianareo hoe: "Tsia! Handeha ho any amin'ny tany Egypta izahay, izay tsy hahitanay ady, izay tsy handrenesanay ny feon'ny trompetra, ary tsy ho noana hanina izahay. Hitoetra any izahay." 15 Ankehitriny mihainoa izao tenin'i Yaveh izao, ianareo izay sisan'i Joda. Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza hoe: "Raha hiainga handeha ho any Egypta tokoa ianareo, handeha sy hitoetra any, 16 dia hanenjika anareo any amin'ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo. Hanaraka anareo any ny mosary izay ahianareo, ka ho faty any ianareo. 17 Ary ny lehilahy rehetra izay niainga ho any Egypta mba hitoetra any dia ho fatin'ny sabatra, mosary, na areti-mandringana. Tsy hisy sisa velona izy ireo, tsy hisy ho afa-mandositra ny fahavoazana izay entiko izy ireo. 18 Fa milaza izao Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, hoe: "Toy ny firotsaky ny fahatezerako sy ny fahavinirako teo amin'ny mponin'i Jerosalema, dia tahaka izany koa ny fomba hirotsahan'ny fahatezerako aminareo raha mandeha any Egypta ianareo. Ho tonga zava-panozonana sy horohoro ianareo, zavatra hitenenana ozona, ary zavatra tsy mendrika, ka tsy ho hitanareo intsony izao toerana izao.'" 19 Dia hoy i Jeremia hoe: "Yaveh dia efa niteny mahakasika anareo—ianareo izay sisan'i Joda. Aza mandeha any Egypta! Fantatrareo tokoa fa efa vavolombelonareo Aho androany. 20 Fa namitaka mafy ny tenanareo ianareo rehefa nandefa ahy ho any amin'i Yaveh Andriamanitrareo ka niteny hoe: 'Mivavaha amin'i Yaveh Andriamanitsika ho anay. Izay rehetra lazain'Andriamanitra, dia ambarao anay, ary dia ho tanterahinay izany.' 21 Fa efa notateriko taminareo androany, nefa ianareo tsy mba nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo na tamin'ny zavatra momba izay nanirahany ahy ho aminareo. 22 Koa ankehitriny, tokony ho fantatrareo tokoa fa ho fatin'ny sabatra, mosary, ary areti-mandringana ianareo any amin'ny tany izay irianareo hitoerana."
Ireo dia anaran-dehilahy.
Io dia fomba hanondroana ny sokajin'olona. DH: "olona avy amin'ny sokajim-piara-monina rehetra"
DH: "avelao izahay ampiseho ny fangatahanay maika"
DH: "henoy izay ho lazaiko aminareo"
DH: "Ho lazaiko aminareo avokoa izay tenenin'ny Tompo amiko.
Ireo teny ireo dia mitovy ny heviny eto. Ireo dia samy manambara an'i Yaveh ho vavolombelona izay tsy azo toherina. DH: "azo antoka"
Ireo dia nanambara izany mba hanindriana fa izy ireo dia hankatò an'i Yaveh na inona na inona valinteniny. DH: "na inona na inona valinteniny"
Yaveh eto dia tondroina amin'izay hamaliany ny fanontanian'izy ireo.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 42:1.
"ahafahako mampiseho ny fangatahanareo Aminy"
Yaveh dia nampitaha ny vahoakan'Israely tamin'ny rindrina izay afaka harenina sy harodana. DH: "ampahomby anareo Aho fa tsy hamotika"
Yaveh dia nampiasa io ohatra io mba hanehoana fa izy dia ampahomby ny vahoakan'Israely fa tsy hamotika azy. Izy ireo nampitahainy amin'ny hazo toy ny efa nampitahainy azy ireo tamin'ny rindrina.
Ny loza eto dia resahina toy ny zavatra izay azon'ny olona iray hapetaka eny amin'ny olona iray hafa. DH: "hisoroka ny loza izay efa naterako teo aminareo Aho"
Ny teny "hamonjy" sy "hanavotra" dia mitovy ny heviny ary samy manamafy fa Yaveh dia tena hanavotra tokoa. DH: "hamonjy anareo tanteraka"
Eto ny "tanana" dia midika ho fahefana na fahefana. DH: "hamonjy anareo eo amin'ny fahefany"
Ny tsy fankatoavana dia toy ny olona tsy mihaino ny didin'i Yaveh. DH: "raha tsy mankatò ny didiko ianareo na dia Yaveh, Andriamanitrareo aza Aho."
DH: "izay tsy hiainanay ny hamafisan'ny ady"
Ny "tsy ho noana hanina" eto dia nampiasaina mba hamaritana ny mosary.
DH: "dia hiaina ny voka-dratsin'ny ady any ianareo."
Ny mosary eto dia toy ny zavatra izay afaka manenjika zavatra hafa. DH: "Mitaintaina amin'ny mosary ianareo tao Israely fa raha mankany Egypta ianareo dia hijaly mosary any"
Ny lehilahy dia nampiasaina mba hanondroana ny vohaoka rehetra satria izy ireo no loham-pianakaviana. DH: "ny olona rehetra"
DH: "nandrarahako ny hatezerako sy ny fahavinirako"
Ny teny "ny fahatezerako" sy ny "fahavinirako" dia mitovy ny dikany. Ireo no nampiarahana dia ho fanamafisana ny haben'ny hatezerany. DH: "ny fahatezerako lehibe"
DH: "handrotsaka ny hatezerako eo aminareo AHo"
Ireo andalana roa ireo dia mitovy ny heviny ary manindry ny haratsin'ny fitondran'ireo firenena an'ny vahoakan'i Joda taorian'ny nanasazian'i Yaveh azy ireo. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 25:17 sy 29:18..
Yaveh dia ilay hanasazy ny vahoakan'Israely raha toa ka tsy mitandrina ny fampanantenany hankatò ny didin'i Yaveh izy ireo.
DH: "ho aaonay izany"
Ny ady dia tondroina toy ny fitaovam-piadian. DH: "ho faty eny amin'ny sahan'ady ianarei"
1 Ary nifarana ny fanambaran'i Jeremia ny teny rehetra an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo izay nolazainy taminy mba ho teneniny amin'ny vahoaka rehetra. 2 Azaria zanaka lahin'i Hosaia, Johanana zanaka lahin'i Karea, ary ny olona miavonavona rehetra dia niteny tamin'i Jeremia hoe: "Milaza lainga ianao. Yaveh Andriamanitray dia tsy naniraka anao hilaza hoe: 'Aza mandeha mitoetra any Egypta.' 3 Fa i Baroka zanaka lahin'i Neria dia niantsy anao hanohitra anay mba hanafaka anay eo an-tanan'ireo Kaldeana, satria ianao no mahatonga ny fahafatesanay ary manao anay ho babo any Babylona." 4 Koa nandà ny hihaino ny feon'i Yaveh mba hitoetra any amin'ny tanin'i Joda i Johanana zanaka lahin'i Karea, ireo andrian'ny tafika rehetra, ary ireo vahoaka rehetra. 5 Johanana zanaka lahin'i Karea sy ireo lehiben'ny tafika rehetra dia nitondra izay tavela rehetra tamin'i Joda izay niverina avy any amin'ny firenena rehetra tany amin'izay nanaparitahana azy ireo mba hitoetra any amin'ny tanin'ny Joda. 6 Nalain'izy ireo ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy sy ireo zanaka vavin'ny mpanjaka, ary ny olona rehetra izay navelan'i Nebozaradana, mpifehy ireo mpiambin'ny mpanjaka tamin'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana. Nalain'izy ireo ihany koa i Jeremia mpaminany sy i Baroka zanaka lahin'i Neria. 7 Nankany amin'ny tany Egypta izy ireo, any Tapanesa, satria izy ireo dia tsy nihaino ny feon'i Yaveh. 8 Ka tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh tany Tapanesa, nanao hoe: 9 'Mandraisa vato lehibe maromaro amin'ny tananao, ary, afeno eo imason'ny vahoakan'i Joda ao amin'ny fetan'ny rarivato eo amin'ny fidirana mankany amin'ny tranon'i Farao any Tapanesa ireo." 10 Ary lazao izy ireo hoe: 'Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, milaza izao: 'Indro, handefa iraka haka an'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona toy ny mpanompoko Aho. Ho apetrako eo amin'ireo vato ireo ny seza fiandrianany izay nalevinao, ry Jeremia. Hametraka ny lainy eo amin'izy ireo i Nebokadnezara. 11 Fa ho avy izy ary hanafika ny tanin'i Egypta. Izay voatendry ho faty dia ho atolotra ho vonoina. Izay voatendry ho babo dia hotratra babo. Izay voatendry ho amin'ny sabatra dia homena ny sabatra. 12 Dia handrehitra afo eo amin'ny tempolin'ireo andriamanitr'i Egypta aho. Nebokadnezara dia handoro azy ireo na hisambotra azy ireo. Hanadio ny tanin'i Egypta tahaka ireo mpiandry ondry manadio ny bibikely amin'ny akanjon'izy ireo izy. Dia hivoaka amin'izany toerana izany amin'ny fandresena izy. [1]13 Hamotika ny tsangam-bato any Neopolisa any amin'ny tanin'i Egypta izy. Handoro ny tempolin'ireo andriamanitr'i Egypta izy.'"
Io teny io dia nampiasaina eto mba hanamariana tranga manan-danja amin'ny tantara. Raha manana fomba hafa azo andikana izany ny teninao, dia azonao atao ny mampiasa izany eto.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Hatongan'ny olona iray hanao ratsy amin'ny olona iray hafa.
"tsy nankatò ny didin'i Yaveh"
"izay nanasarahan'i Yaveh azy ireo "
Ireo dia anaran-dehilahy.
Izany no anaran'ilay tanàna.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:1.
Ny "seza fiandrianana" sy ny "lay" an'ny mpanjaka eto dia nampiasaina nampiasaina mba hanondroana ny fahefan'ny mpanjaka. DH: "hatonga azy ho mpanapaka ny vahoakan'i Egypta manontolo"
Manohy miteny ny hafany Yaveh.
DH: "ho avy i Nebokadnezara"
DH: "Ho faty ny olona rehetra, izay efa notondroiko dia tsy maintsy maty"
DH: "Ireo Babyloniana dia haka ho babo ny rehetra izay nodidiko ho lasa babo"
DH: "Ny olona rehetra izay nodidiko ho faty any anaty dia ho faty any an'ady"
"Haka ny zavatra sarobidy rehetra ao Egypta izy tahaka ny mpiandry ondry manala ny bibikely eny amin'ny akanjony"
Io dia anaran-tanàna, "tanànan'ny masoandro"
1 Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia mahakasika ny Jiosy rehetra izay nipetraka tany amin'ny tany Egypta, dia ireo olona nitoetra tao Migdola, Tapanesa, Memfisa, ary tao amin'ny tany Patrosa. 2 "Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, manao izao: Ianareo mihitsy no efa nahita ireo loza rehetra izay nentiko tamin'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda rehetra. Indro, rava izy ireo ankehitriny. Tsy misy olona mipetraka ao amin'izy ireo. 3 Izany dia nohon'ireo zavatra ratsy nataon'izy ireo mba hanafintohinana Ahy tamin'ny nandehanany nandoro ditin-kazo manitra sy nanompoany ireo andriamanin-kafa. Ireo dia andriamanitra izay tsy fantatr'izy ireo, na ianareo, na ireo razambenareo. 4 Ka nirahiko matetika ho any amin'izy ireo mpanompoko mpaminany rehetr. Nirahiko izy ireo mba hiteny hoe: 'Atsaharo ny fanaovana izao zava-betaveta izay halako izao.' 5 Nefa tsy nihaino izy ireo. Nandà tsy hihaino izy ireo na niala tamin'ny faharatsiany tamin'ny fandorana ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanin-kafa. 6 Koa niraraka ny fahavinirako sy ny fahatezerako ary nandrehitra afo tao amin'ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema. Koa nanjary faharavana sy fahapotehana, tahaka ny amin'izao andro anio izao ireo." 7 "Koa ankehitriny, dia milaza izao Yaveh Andriamanitra Tompon'ny maro sy Andriamanitr'Israely: "Nahoana no manao faharatsiana lehibe amin'ny tenanareo ianareo? Nahoana ianareo no manao izay hahafongotra anareo amin'ireo Joda—dia ireo vehivavy sy lehilahy, ireo ankizy sy zaza? Tsy hisy ho tavela aminareo. 8 Tamin'ny faharatsianareo no nanafintohinanareo Ahy noho ireo asan'nny tananareo, tamin'ny fandoroana ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanin-kafa tany amin'ny tany Egypta, izay nandehananareo hitoerana. Nandeha tany ianareo mba ho potehina, mba hanozonana sy hanalana baraka anareo eo amin'ireo firenen'ny tany rehetra. 9 Moa ve adinonareo ny faharatsiana nataon'ireo razambenareo sy ny faharatsiana nataon'ireo mpanjakan'i Joda sy ireo vadiny? Moa ve adinonareo ny ratsy nataonareo sy ny vadinareo tany amin'ny tanin'ny Joda sy ireo lalamben'i Jerosalema? 10 Mandrak'androany, dia tsy mbola nanetry tena izy ireo. Tsy manaja ny lalàko na ireo didiko izay napetrako teo anoloan'izy ireo sy ny razambeny izy ireo, na mandeha amin'ireny." 11 Noho izany Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: "Indro, efa hanapa-kevitra ny hanandrina ny tavako aminao Ah. 12 Fa halaiko ny tavela amin'ny Joda izay navoaka handeha ho any amin'ny tany Egypta mba hitoetra any. Hataoko izany mba hahafatesan'izy rehetra any amin'ny tany Egypta. Ho lavon'ny sabatra sy mosary izy ireo. Manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra dia ho fatin-tsabatra sy mosary. Ho faty izy ireo ary ho tonga zavatra fianianana, fanozonana, fandatsana, ary zavatra mampihorohoro. 13 Fa hanafay ny olona monina ao amin'ny tany Egypta tahaka ny nanafaizako an'i Jerosalema tamin'ny tsabatra, mosary, ary aretin-mandringana Aho. 14 Tsy hisy ho tafatsoaka na ho velona ireo sisan'ny Joda izay andeha mba hitoetra any ao amin'ny tany Egypta no ho tafaverina ao amin'ny tanin'i Joda, na dia te hiverina sy hitoetra any aza izy ireo. Tsy misy ho tafaverina izy ireo, afa-tsy izay vitsy handositra hiala eto." 15 Ary ny lehilahy rehetra izay nahalala fa nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanin-kafa ny vadin'izy ireo, sy ny vehivavy rehetra izay tao amin'ny fiangonana lehibe, ary ny olona rehetra izay nipetraka tany amin'ny tany Egypta tany Patrosa dia namaly an'i Jeremia. 16 Hoy izy ireo: "Momba ny teny izay nambaranao taminay tamin'ny anaran'i Yaveh—dia tsy hihaino anao izahay. 17 Fa ho ataonay avokoa ny zavatra rehetra izay nolazainay fa ho ataonay—dia handoro ditin-kazo manitra ho an'ny Mpanjakavavin'ny Lanitra ary handraraka fanatitra sotroina ho azy tahaka ny nataonay, ireo razambenay, ireo mpanjakanay, ary ireo mpitarikay tao amin'ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema. Dia ho voky sakafo izahay ka ho ambinina, no sady tsy hiharan-doza. 18 Raha nitsahatra tsy manao ireo zavatra ireo izahay, tsy nanolotra ditin-kazo manitra ho an'ny Mpanjakavavin'ny Lanitra ary tsy nandraraka fanatitra sotroina ho azy, dia nijaly tamin'ny fahantrana izahay ary ho fatin-tsabatra sy mosary." 19 Hoy ireo vehivavy: "Rehefa manao fanatitra ditin-kazo manitra eo anoloan'ny Mpanjakavavin'ny Lanitra izahay ary mandraraka fanatitra sotroina ho azy, moa ve hanohitra ny vadinay no nanaovanay ireo zavatra ireo, manao mofomamy amin'ny endriny ary mandraraka fanatitra sotroina ho azy?" 20 Dia hoy Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra—tamin'ny lehilahy sy ny vehivavy, ary tamin'ny vahoaka rehetra izay namaly azy—nanambara izy ka nanao hoe: 21 "Moa ve tsy tsaroan'i Yaveh ny ditin-kazo manitra izay nodoranareo tao amin'ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema—ianareo sy ireo razambenareo, ireo mpanjakanareo sy ireo mpitarika, ary ny mponin'ny tany rehetra? Fa efa nahatsiaro izany Yaveh; tonga tao an'eritreriny izany. 22 Koa tsy zakany intsony izany nohon'ny fanaovan-dratsinareo, nohon'ny fahavetavetana izay nataonareo. Dia hanjary ho lao, ho horohoro, ary ho ozona ny taninareo mba tsy hisian'ny mponina tahaka izao andro anio izao intsony. 23 Satria nandoro ditin-kazo manitra ary nanota tamin'i Yaveh ianareo, ary satria tsy nihaino ny feony, ny lalàny, ny fitsipiny, na ireo lalàn'ny fanekeny ianareo, dia nitranga taminareo izao loza izao tahaka izao andro anio izao." 24 Dia hoy Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra sy ny vehivavy rehetra: "Mandrenesa ny tenin'i Yaveh, ry Joda rehetra izay ao amin'ny tany Egypta. 25 Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, manao hoe: 'Ianareo sy ny vadinareo dia efa samy nilaza tamin'ny vavanareo ary nanatanteraka tamin'ny tananareo izay nolazainareo hoe: "Hotanterahinay tokoa ireo voady izay nataonay hanompoana ny Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba handraraka fanatitra sotroina ho azy." Ankehitriny efao ny voadinareo; tanteraho ireo.' 26 Koa dia, mandrenesa ny tenin'i Yaveh, ry Joda rehetra izay mitoetra ao amin'ny tany Egypta, 'Indro, efa nianiana tamin'ny anarako lehibe Aho—hoy Yaveh. Tsy ho antsoina amin'ny vavan'ireo olon'i Joda ao amin'ny tany Egypta rehetra intsony ny anarako, dia ianareo izay miteny ankehitriny hoe: "Raha velona koa ny Tompo Yaveh." 27 Indro, miambina azy ireo ho amin'ny loza fa tsy ho amin'ny soa Aho. Ny olon'i Joda rehetra ao amin'ny tany Egypta dia ho fatin-tsabatra sy mosary mandra-pahatapitra azy rehetra. 28 Ary ireo tsy matin-tsabatra dia hiverina avy ao amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tanin'ny Joda, ny vitsy an'isa amin'izy ireo ihany. Koa ny tavela tamin'ny Joda rehetra izay nandeha tany amin'ny tany Egypta mba honina any dia hahafantatra hoe ny tenin'iza no ho tanteraka: ny ahy sa ny azy ireo. 29 Izao no ho famantarana ho anareo—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hanohitra anareo ao amin'izany toerana izany Aho, mba ahafantaranareo fa hamely anareo amin'ny loza tokoa ny teniko.' 30 Izao no lazain'i Yaveh: 'Indro, efa hanolotra an'i Farao-Hofra mpanjakan'i Egypta eo an-tanan'ireo fahavalony sy eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ainy Aho. Izany dia ho tahaka izay nanolorako an'i Zedekia mpanjakan'ny Joda teo an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, ilay fahavalony izay nifofo ny ainy."
"Io no hafatra nomen'i Yaveh an'i Jeremia"
Ireo dia anaran-dehilahy.
"Jereo" na "henoy" na "henoy ny zavatra izay ho lazaiko aminareo"
"nataon'ny vahoakan'i Jerosalema sy ny tanàna rehetra an'i Joda mba hanafintohinana ahy"
"ny olona avy amin'ilay tanàna foana"
Nirahan'i Yaveh.
Io dia mamaritra ny sazin'Andriamanitra toy ny zavatra fasina rano ka miraraka eo amin'ireo izay nampatezitra Azy rehefa manomboka ny fanasaziany izy. DH: "Nararako ny fahavinirako sy ny fahatezerako."
Ny teny "fahavinirako" sy "fahatezerako" dia mitovy ny heviny ary samy manamafy ny haben'ny hatezerany. DH: "ny fahatezerako mafy"
Ny teny "faharavana" sy "fahapotehana" dia mitovy ny heviny ary samy manamafy ny faharavana tanteraka nisy teo amin'i Joda sy Jerosalema."
Nampiasa io fanontaniana io Yaveh mba ampisehoana amin'ny vahoakan'Israely fa izy ireo dia tokony hanatsahatra ireo zavatra izay mahatonga azy ireo ho saziana"
DH: "izay vitanareo"
DH: "nahatonga Ahy hamotika anareo"
Mibedy ireo olona Yaveh amin'io fanontaniana io. "hadinonareo ny faharatsiana izay nataon'ny razambenareo! Hadinonareo ny ratsy izay nataon'ireo mpanjakan'i Joda sy ireo vadiny."
DH: "hadinonareo ny ratsy izay nataonareo sy ny vadinareo ... Jerosalema."
Jerosalema dia tondroinaa toy ny ampahan'ny tanàna izay lalovan'ny olona. Izany dia midika fa ny olona dia nanao zavatra ratsy teny amin'ny toeram-pokonolona tao Jerosalema"
"nanapa-kevitra ny hanohitra Anao"
Io dia fomba malefaka hilazana fa hisy olona iray maty.
Ny ady dia nofaritana tamin'ny alalan'ny fitaovam-piadiana tena nampiasain'ireo miaramila.
Ny olona ambany sy manan-kaja eo amin'ny fiaraha-monina no nampiasaina teto hanondrona ny olon-drehetra.
Ny teny "sabatra" no nampiasaina teto hiantsoina ny ady.
Ireo teny roa ireo dia manondro olona mitovy ihany. Ny olona mpitsao-ponenana izay tafatsoaka teny an-tanan'izay mifofo ny ainy na nanao azy ho babo
Io dia anaran-tanàna tao Egypta.
DH: "Tsy hankatò ny didy izay nomenao anay tamin'ny fahefan'i Yaveh izahay"
Io no anarana nomen'ny vahoakan'i Joda tao Egypta izay nanompo izany ho toy ny andriamani-bavy.
DH: "tamin'izany andro izany dia niadana ara-tsakafo izahay, nahomby ary tsy nahita loza"
"ho voky tsara izahay"
Ny vahoakan'i Joda dia nihevitra fa hahomby satria ny Mpanjakavavin'ny Lanitra hitahy azy ireo raha manompo azy izy ireo.
Manohy miresaka ireo olona sisa tavela tao Egypta. Manomboka ao amin'ny and 19, ireo vehivavy dia miresaka amin'i Jeremia.
"Tsaroan'i Yaveh"
"tsy nahatanty izany intsony"
DH: "tsy hisy olona hiaina toy ny andro androany intsony any."
DH: "nandoro sorona tamin'ny andriamanitra sandoka"
Eto ny "feo" dia manondro ny didin'i Yaveh. DH: "tsy nankatò ny didiny ianareo"
DH: "nilaza sy nanao izay nampanantenainareo fa ho lazainareo sy ho ataonareo"
Ny "anarana lehibe" an'i Yaveh dia manondro ny tenany manontolo sy ny lazany.
DH: "Ny akamaroan'ny olona avy any Joda dia ... ho faty"
Ny "Sabatra" dia manondro ireo izay ho faty any an'ady ary ny "mosary" dia manondro ireo izay ho faty ny hanoanana.
DH: "izay nolazaiko dia hitranga ary hisy loza eo aminareo."
DH: "avelako ho samborin'ireo fahavalony i Farao-Hofra mpanjakan'i Egypta"
Io dia anaran-dehilahy.
DH: "sy ireo olona izay maniry ny hamono azy."
1 Ity no teny izay nolazain'i Jeremia mpaminany tamin'i Baroka zanaka lahin'i Neria. Rehefa nanoratra ireto teny notononin'i Jeremia ireto izy—tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima zanaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda izany, ary hoy izy hoe: 2 "Yaveh, Andriamanir'Israely; dia milaza izao aminao, ry Baroka: 3 Nilaza ianao hoe: 'Idiran-doza aho, satria nampian'i Yaveh fahoriana ny fanaintainako. Nandreraka ahy ny sentoko; tsy nahita fitsaharana aho.' 4 Izao no tsy maintsy lazainao aminy: 'Yaveh dia milaza izao: Indro ho simbaiko izay nahoriko. Hongotako izay namboleko—ho ataoko manerana ny tany rehetra izany. 5 Fa moa ve ianao manantena zavatra lehibe ho an'ny tenanao? Aza manantena an'izany. Fa indro, loza no ho avy amin'ny olombelona rehetra—izany no fanambaran'i Yaveh—fa homeko anao ho toy ireo halatrao eny amin'izay rehetra ho alehanao eny ny fiainanao.'"
Ireo dia anaran-dehilahy.
Nosoratan'i Baroka izay zavatra nolazain'i Jeremia.
"nandritra ny efa-taona nanjakan'i Joiakima"
"hoy i Jeremia tamin'i Baroka"
"niteraka fanaintainana lehibe"
"reraka ny mitomany aho"
Miteny amin'i Jeremia izay tokony ho lazainy amin'i Baroka Yaveh.
DH: "tsy manantena zavatra lehibe ho an'ny tenanao ianao"
DH: "Mitandrema"
Ireo zavatra nalaina an-keriny
DH: "Ho avelako miaina ianao. Izay no tsara azonao antenaina."
1 Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany mahakasika ireo firenena. 2 Ho an'i Egypta: "Momban'ny tafik'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta izay any Karkemisy amoron'ny onin'i Eofrata izao. Ity ilay tafika izay resin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona tamin'ny fahefa-taona nanjakan'i Joakima zanaka lahin'i Josia, mpanjakan'ny Joda: 3 Ataovy vonona ireo ampinga kely sy ireo ampinga lehibe, ary mandehana mandroso hiady. 4 Apetraho eo ambonin'ny soavaly ireo fiadiana; miakara eo ambonin'ny soavaly ary raiso ny tsangananao miaraka amin'ny aro-loha eo amboniny; ranito ny lefonao ary apetraho eo amin'ny akanjo fiarovanao. 5 Fa inona izao hitako izao? Feno tahotra izy ireo ary mitsoaka, satria resy ny miaramilan'izy ireo. Mitsoaka hitady fiarovana izy ireo ka tsy mijery izay ao aoriana. Eny amin'ny manodidina rehetra eny ny horohoro—izany no fanambaran'i Yaveh— 6 tsy afa-mitsoaka ireo haingam-pandeha, ary tsy afa-mitsoaka ireo miaramila. Tafintohina tany avaratra izy ireo ary lavo teo akaikin'ny Onin'i Eofrata. 7 Iza ity miakatra tahaka an'i Neily ity, izay misamboaravoara miakatra sy midina tahaka ny renirano ny onjany? 8 Miakatra tahaka an'i Neily i Egypta, tahaka ny onja izay miakatra sy midina. Hoy i Egypta hoe: 'Hiakatra aho ary hanarona ny tany. Hanimba ireo tanàna sy ireo mponiny aho. 9 Miakàra, ry soavaly. Aoka ho tezitra, ianareo ry kalesy. Aoka hivoaka ireo miaramila, Kosy sy Pota, ireo lehilahy manam-pahaizana manokana amin'ny fampiasana ampinga, ary Loda, lehilahy manam-pahaizana amin'ny fanenjanana ny tsipìkan'izy ireo.' 10 Tamin'io andro io no andron'ny valifatIn'ny Tompo Yaveh tompon'ny maro, ary hamaly faty ireo fahavalony ho an'ny tenany izy. Handrapaka ny sabatra ka ho afa-po. Hisotro ny rà miboboka an'izy ireo izany. Fa hisy sorona ho an'ny Tompo Yaveh tompon'ny maro any amin'ny tany avaratra amoron'ny Onin'i Eofrata 11 Miakàra any Gileada ary mangalà fanafody, ry zanaka vavy virijinin'i Egypta. Tsy misy dikany ny nametahanao fanafody maro tamin'ny tenanao. Tsy misy fanafana ho anao. 12 Nandre ny fahafaham-barakanao ireo firenena. Feno ny fitomanianao ny tany, fa nifandona tamin'ny miaramila iray ny miaramila iray; niara-lavo izy roa ireo." 13 Izao no tenin'i Yaveh nolazaina tamin'i Jeremia mpaminany rehefa tonga sy nanafika ny tany Egypta i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona: 14 "Ambarao ao Egypta, ary ambarao ao Migdola, Memfisa, ary Tapanesa izany. 'Raiso ny toeranao ary homano ny tenanao, fa handrapaka ireo manodidina anao ny sabatra.' 15 Nahoana ireo maherinao no lavo amin'ny tany? Tsy hitsangana izy ireo, satria Izaho, Yaveh, no nanosika azy ireo ho amin'ny tany. 16 Mampitombo ny isan'ireo tafintohina Izy. Ny miaramila tsirairay dia mifandimby lavon'ny hafa. Hoy izy ireo hoe: 'Mitsangàna. Andeha isika hody. Andeha isika hiverina any amin'ireo olontsika, any amin'ny tany nahaterahantsika. Andeha isika hamela ity sabatra izay mamely antsika ity.' 17 Nanambara tany izy ireo hoe: 'Farao mpanjakan'ny Joda dia tabataba fotsiny ihany, ilay iray izay namela ny irikany ho lasa fotsiny.' 18 Raha mbola velona koa Aho—nanambara ny Mpanjaka, izay ny anarany dia i Yaveh tompon'ny maro—dia hisy olona iray izay ho tonga tahaka ny Tendrombohitra Tabara sy Tendrombohitra Karmela amoron'ny ranomasina. 19 Omano ny entana ho entinareo any an-tsesitany, ianareo izay mipetraka any Egypta. Fa ho foana i Memfisa, handry amin'ny faharavana izy ary tsy hisy na iza na iza hipetraka any. 20 Egypta dia ombivavy tanora tsara tarehy tokoa, kanefa hisy bibikely manindrona ho tonga avy any avaratra. Ho avy izany. 21 Ireo miaramila nokaramaina eo anelanelany dia tahaka ny ombilahy matavy, fa izy ireo ihany koa anefa dia hihodina ary hitsoaka. Tsy hiara-hitsangana izy ireo, satria tonga ny andron'ny loza hamely azy ireo, ny fotoan'ny sazin'izy ireo. 22 Misioka tahaka ny bibilava i Egypta, ary mandady, fa ireo fahavalony kosa dia mizotra hanohitra azy ireo. Mankeny amin'izy ireo tahaka ny mpanapaka hazo miaraka amin'ny famaky izy ireo. 23 Hanapaka ny ala izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—na dia mikitroka tokoa aza izany. Fa ho maro noho ireo valala ireo fahavalo, tsy tambo isaina. 24 Ho afa-baraka ny zanaka vavin'i Egypta. Ho atolotra eo an-tanan'ny vahoaka avy any avaratra izy." 25 Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza hoe: "Indro, eo andalam-pamaizana an'i Amona avy any Teba, Farao, Egypta sy ireo andriamaniny, ireo Farao mpanjakany, ary ireo izay matoky azy ireo Aho. 26 Ho atolotra eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ainy izy ireo, ary eo an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ireo mpanompony. Aorian'izany dia tsy ho azo hipetrahana tahaka ny tamin'ny andro taloha i Egypta—izany no fanambaran'i Yaveh. 27 Fa ianao, ry Jakoba mpanompoko, dia aza matahotra. Aza raiki-tahotra, ry Israely, fa indro, hamerina anao avy lavitra Aho, ary ny zanakao avy any amin'ny tany naha-babo azy ireo. Dia hiverina i Jakoba avy eo, hahita fiadanana, ary ho voaaro, ka tsy hisy na iza na iza hampihorohoro azy. 28 Ianao, ry Jakoba mpanompoko, aza matahotra—izany no fanambaran'i Yaveh—fa miaraka aminao Aho, ka hitondra faharavana tanteraka amin'ireo firenena rehetra izay hampielezako anao Aho. Fa tsy hanimba anao tanteraka Aho. Hibedy anao araka ny rariny Aho ary tsy hamela anao ho afa-tsazy."
Io andian-teny io dia manondro fa io hafatra io dia nokasaina alefa ho any amin'ny firenen'i Egypta.
Karkemisy dia tanàna any andrefan'ny onin'i Eofrata.
Izany dia midika fa manomana ilay soavaly hitarika ny sarety: fiaran'ady misy kodiarana roa.
Ny aro-loha dia fiarovana natao hiarovana ny loha rehefa any an'ady.
Io fehezanteny io dia midika hoe "ataovy maranitra" ny lefonao.
Nitohy ny fahitan'i Jeremia mahakasika an'i Egypta.
Ny "-ko" eto dia manondro an'i Yaveh. Nametraka io fanontaniana maneso io Yaveh mba hanamafisana fa efa tanteraka izay nolazainy mahakasika ny firenen'i Egypta dia .
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy fa tsy nisy, na ny mafy sy haingam-pandeha indrindra aza, afaka nitsoaka. DH: "na ireo miaramila haingam-pandeha indrindra aza dia tsy afa-nitsoaka"
Manohy mitantara ny fanambaran'i Yaveh tamin'ny firenen'i Egypta i Jeremia.
DH: "niakatra tahaka an'i Neily i Egypta." Nametraka io fanontaniana io Yaveh mba hisarihana ny sain'ny mpihaino amin'ny firenen'i Egypta.
Ny tafik'i Egypta dia nampitahaina tamin'ny faharavana naterakin'ny reniranon'i Neily.
Eto ny firenen"i Egypta dia miresaka tahaka ny olona.
Ny "aho" dia manondro ny firenen'i Egypta izay manambara tsy misy ambahamba fa ireo tafiny dia hamotika ny tany tahaka ny tondra-drano.
Nandidy ireo soavaly sy kalesy toy ny olona Yaveh. Na ny "soavaly" na ny "kalesy" dia samy manondro ny fitambaran'ny ireo kalesy any an'ady. Ireo fehezanteny ireo dia mandidy ilay mpitondra kalesy hiroso amin'ny ady.
Ireo dia anarana ara-Baiboly ho an'ireo firenena Etiopiana, Lybia, sy Lydia.
Ny dikann'io fehezanteny io dia hoe mampiasa ilay tsipìka amin'ny fisintomana ny tadiny miaraka amin'ny zana-tsipìka.
Mitantara ny fanambaran'i Yaveh tamin'ny firenen'i Egypta i Jeremia
Io andian-teny io dia manondro ny andro nandresen'ireo Babyloniana an'ireo Egyptiana.
Eto ny sabatra dia mihinana toy ny olona. Ireo fehezanteny ireo dia samy mitovy ny heviny ary nampiarahana mba hanamafisana fa hisy fandravana tanteraka.
Ny teny "sabatra" eto dia manondro ny tafikin'ny firenen'i Babylona.
Ny "sorona" eto dia ny firenen'i gypta. DH: "Egypta no ho atao sorona ho an'ny Tompo Yaveh."
Namarana ny fanambarany tamin'i Egypta Yaveh.
DH: "olona madion'i Egypta"
Io teny io dia midika fahatsapana fahamenarana na fahaverezan-kaja.
DH: "afaka nandre ny tomaninao ny olona rehetra.
Ireo dia miaramila manan-kaja tao amin'ny tanànan'i Egypta.
Ny "sabatra" eto dia manondro ny tafik'i Babylona. Ny fehezanteny " handrapaka ireo manodidina anao ny sabatra" dia midika hoe: hiteraka fahaaravana." DH: "Ny tafik'i Babylona dia hiteraka faharavana."
Eto ny "sabatra" dia manondro ny tafikin'ny firenen'i Babylona.
Io dia manondro ny firenen'i Babylona izay ho manondraka ny firenen'i Egypta toy ireo tendrombohitra roa izay lemaka no manodidina azy ireo.
Ny firenen'i Egypta dia nampitahaina tamin'ny omby vavy tsara tarehy. DH: "Egypta dia toy ny ombivavy tsara tarehy."
Io dia manondro ny tafik'i Babylona. Ny bibikely manindrona dia miteraka fanaintainana saingy tsy miteraka ratra maharitra ampatorana ilay biby voatsindrony.
Ny mpanoratra dia mampitaha ireo miaramila amin'ireo "omby matavy" satria ireo miaramila dia voakarakara tsara ary vonona ny ho vonoina.
Ny mpanoratra dia manambara fa ireo miaramila dia tsy hiaraka hiady fa hitsoaka hisaina ny hanavotra ny tenany ihany.
Ny mpanoratra dia manambara fa ny firenen'i Egypta dia tahaka ny bibilava izay tsy afaka manao na inona na inona ankoatran'ny misioka sy mandady matahotra rehefa tonga manakorontana ny fitoerany ireo mpanapaka hazo.
Ireo tafika ho avy hanafika dia ho tahaka ny mpanapaka hazo manapaka ny ala manontolo. DH: "Hanapaka ireo tanànan'i Egypta ny tafika Babyloniana."
Io dia manondro ny tafikin'ny firenen'i Babylona manafika an'i Egypta.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Io dia manondro ny fivelarana sy fifanakaikezan'ireo tanànan'i Egypta.
Jeremia dia milaza fa ny vahoakan'i Egypta dia ho menatra eo anatrehan'ireo firenena ary satria ireo vehivavy sy tovovavy dia ho voaolan'ireo miaramilan'i Babylona.
Ny hevin'io fehezanteny io eto dia hoe: "ny tanjakin'ny firenen'i Babylona avy any avaratra."
"Amona" dia mpanjakan'ireo andriamanitr'i Egypta. "Teba" dia renivohitr"i Egypta, ary eto izany dia manondro ny fanjakana Egyptiana iray manontolo. DH: "Amona, andriamanitrin'ny Egypta rehetra"
Eto i Nebokadnezara dia misolo-tena ny firenen'i Babylona iray manontolo, ary ny "tanany" dia manondro ny "fitondrany." DH: "Manome ny fitondrana an'i Egypta amin'ny firenen'i Babylona Yaveh."
DH: "Aorian'ny fanasazian'i Yaveh, ny firenen'i Egypta dia hiverina ho firenena mahaleo tena."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:9.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ireo no miaraka dia manamafy ny fankaherezana ireo vahoakan'i Joda mba tsy hataotra.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
"tena hanasazy anao tokoa."
1 Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany mahakasika an'ireo Filistina. Izao teny izao dia tonga taminy talohan'ny nanafihan'i Farao an'i Gaza. 2 Yaveh dia milaza izao: "Indro, miakatra ny tondra-drano any avaratra. Ho toy ny renirano manafotra izany! Ary hanafotra ilay tany sy ny zavatra rehetra ao amin'izany izy ireo, ireo tanànany sy ireo mponiny izany! Noho izany ny olona rehetra dia hihiaka fanampiana, ary hitomany ireo mponina rehetra ao amin'ilay tany. 3 Tamin'ny feon'ny fikatrokatrokin'ny kitron'ny soavaly matanjak'izy ireo, tamin'ny fieron'ireo kalesin'izy ireo sy ny tabataban'iny kodian'izy ireo, ireo razambe dia tsy hanampy ireo zanany noho ny fahalemen'izy ireo manokana. 4 Fa avy ny andro izay handravana an'ireo Filistina rehetra, mba handringanana ao Tyro sy Sidona ny sisa velona rehetra izay te-hanampy an'izy ireo. Fa Yaveh dia mandrava an'ireo Filistina, ireo izay sisa avy amin'ny nosy Kaftora. 5 Ho avy amin'i Gaza ny fahasolana. Raha ny amin'i Askelona, dia ho hampanginina ny olona izay tavela ao amin'ny lohasahany. Mandra-pahoviana no handidinareo ny tenanareo amin'ny fisaonana? 6 Indrisy, ry sabatr'i Yaveh! Mandra-pahoviana no hisian'izany mandra-panginanareo? Miverena ao amin'ny fitoeranao! Mitsahara ary aza miteny. 7 Ahoana no ahafahanao mangina, fa Yaveh no efa nandidy anao. Niantso anao hanafika an'i Askelona sy hanohitra ireo sisin-tany manaraka ny ranomasina Izy."
Ny teny "indro" dia manaitra ny saintsika hifantoka amin'izay ho lazaina manaraka.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary nampiarahana mba ho fanamafisana. Ny "rano" sy "renirano" dia samy maneho ny fiavian'ny tafika avy any avaratra.
Ny "izy ireo" dia ny tafika avy any avaratra.
Ireo no miaraka dia maneho ny feon'ny fiavian'ireo tafika.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary nampiarahana mba ho fanamafisana.
Izany no anaran'ilay nosy any avaratry ny faraitr'i Filistina.
Ny fanasolana ny loha amin'ny ampahany na manontolo dia mari-pamantarana ho fanehoana alahelo lehibe ataon'ireo mpanompo sampy any amin'ireo firenena toy i Filistina.
DH: "ho vonoina ny olona izay tavela ao amin'ny lohasahany."
Ny fandidina hoditra dia fomba fanao hafa ataon'ireo mpanompo sampy rehefa misaona ny maty izy ireo.
Io andian-teny io dia manondro ny tafika avy any avaratra izay nampiasain'i Yaveh mba hanasaziana ireo Filistina.
Ireo vahoakan'i Filistina dia nametraka io fanontaniana io mba hanehoana ny tahotra mafin'izy ireo mahakasika ilay fandravana hateraky ny fahavalon'izy ireo.
Ny "anao" dia manondro ilay "sabatr'i Yaveh."
1 Ho an'i Moaba, Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely dia milaza izao: "Loza ho an'i Nebo, fa efa rava izany. Nosamborina i Kiriataima ary nalaim-baraka. Potika sy afa-baraka ny fiarovany mafy. 2 Tsy misy intsony ny voninahitr'i Moaba. Nitetika hanao loza ho azy ireo fahavalon'izy ireo tao Hesbona. Hoy izy ireo: 'Avia aoka isika hamotika azy tahaka ny firenena. Ho faty ihany koa i Madmena—hanenjika anareo avy ao aoriana ny sabatra.' 3 Henoy! Tonga avy any Horonaima ny feon'ny hikiaka, izay misy faharavana sy fahasimbana lehibe any. 4 Rava i Moaba. Hampandre ny fitarainany ireo zanany. 5 Hiakatra ny havoanan'i Lohita am-pitomaniana izy ireo, fa eny amin'ny lalam-pidinan'i Horonaima, dia ho re ireo antsoantso noho ny fahasimbana. 6 Mandosira! Vonjeo ny ainareo ary tongava ho toy ny kirihitr'anjavidy any an-tany efitra. 7 Fa noho ny fahatokianao ireo fombanao sy ny harenao, no hisamborana anao koa. Ary i Kemosy dia handeha ho amin'ny fahababoana, miaraka amin'ireo mpisorony sy ireo mpitariny. 8 Fa ho avy eny amin'ny tanàna rehetra ny mpandrava; tsy misy tanàna ho afa-mandositra. Ka ho levona ny lohasaha ary ho rava ny lemaka, araka ny nolazain'i Yaveh. 9 Omeo elatra i Moaba, fa tsy maintsy hanidina tokoa izy. Ho lasa ngazana ireo tanànany, izay tsy misy na iza na iza monina ao amin'ireo. 10 Aoka ho voaozona izay kamo amin'ny fanaovana ny asan'i Yaveh! Aoka ho voaozona izay mitàna ny sabany amin'ny fandatsahan-drà! 11 Nahatsiaro ho voaaro i Moaba hatramin'ny naha-tanora azy. Tahaka ny divainy izay tsy mbola nararaka isaky ny vilany izy. Tsy mbola nandeha tamin'ny fahababoana izy. Noho izany dia tsara tsiro lalandava izy; mijanona tsy miova ny tsirony. 12 Koa indro, ho avy ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—rehefa handefa aminy ireo izay hanilika azy sy handraraka ireo vilaniny rehetra ary hamaky ireo sininy Aho. 13 Dia ho menatra an'i Kemosy i Moaba tahaka ny nahamenaran'ny ankohonan' Israely an'i Betela, ny anton'ny fahatokian'izy ireo. 14 Ahoana no hilazanareo hoe: 'Izahay dia miaramila, lehilahy mpiady mahery'? 15 Ho rava i Moaba ary hotafihana ireo tanànany. Fa ireo tovolahiny tsara indrindra dia efa nampidinina any amin'ny toeran'ny famonoana. Izany ny fanambaran'ny mpanjaka! Yaveh Tompon'ny maro no anarany. 16 Hitranga tsy ho ela ny faharavan'i Moaba; ho avy faingana tsy ho ela ny loza. 17 Ianareo rehetra manodidina an'i Moaba, mitomania; ary ianareo rehetra izay mahalala ny lazany, hiakiaho hoe: 'Loza, fa simba, ny tehana mahery, sy ny tsorakazo manam-boninahitra.' 18 Midìna eny amin'ny toeranao be voninahitra ary mipetraha eo amin'ny tany maina, ianao zanaka vavy monina ao Dibona. Fa ilay handrava an'i Moaba no efa manafika anao, ilay handrava ireo fiarovanao mafy. 19 Mijoroa eo amin'ny lalana ka tazano, ianareo vahoaka monina ao Aroera. Anontanio izay efa nandositra sy nitsoaka. Lazao hoe: 'Nisy inona?' 20 Tonga menatra i Moaba, fa notorotoroina izy. Midradradradrà ary mitomania; mihiakiaha famonjena. Ambarao amin'ny vahoaka eo amin'ny Renirano Arnona izany fa rava i Moaba. 21 Ankehitriny dia tonga ao amin'ny tany havoana ny fanasaziana, ho an'i Holona, Jahaza, ary Mefata, 22 ho an'i Dibona, Nebo, sy Beti-diblataima, 23 ho an'i Kiriataima, Beti-gamola, ary Beti-meona, 24 ho an'i Keriota sy Bozra, ary ho an'ny tanàna rehetra amin'ny tanin'i Moaba_ireo tanàna lavitra indrindra sy ny akaiky indrindra. 25 Notapahina ny tandrok'i Moaba; notapahina ny sandriny—izany no fanambaran'i Yaveh. 26 Ataovy mamo izy, satria niasa am-pireharehana hanohitra an'i Yaveh izy. Aoka hiosinkosina amin'ny loany i Moaba, ary aoka ho antom-panesoana izy. 27 Fa tsy Israely ve no lasa antom-piomehezana ho anao? Tsy hita teo amin'ireo mpangalatra ve izy, ka nanozongozonanao ny lohanao taminy tahaka ny nitenenanao ny momba azy matetika? 28 Ilaozy ny tanàna ary mitobia eny amin'ireo hantsana, ry mponin'i Moaba. Tongava tahaka ny domohina izay manao ny ankaniny eny amin'ny vavan'ny lavaka eny amin'ireo vatolampy. 29 Rentsika ny fireharehan'i Moaba—ny fiavonavonany, ny fiaingitrainginy, ny avonavony, ny fisehosehoany ary ny fieboeboan'ny fony. 30 Izao no fanambaran'i Yaveh—Izaho ihany no mahalala ny teniny manohitra, izay tsy misy sandany, tahaka ireo asany. 31 Ka hidradradradra fitomaniana ho an'i Moaba aho, ary hihiaka amin'ny alahelo ho an'i Moaba manontolo aho. Hitomany ho an'i vahoakan'i Kira-haresa Aho. 32 Hitomany ho anao mihoatra noho izay nataoko ho an'i Jazera Aho, ry voalobok'i Sibma! Manavatsava ny Ranomasina Masira ny rantsanao ary mahatratra hatrany Jazera. Nanafika ny voan'ny fahavaratrao sy ny divainao ireo mpandrava. 33 Ka dia nesorina lavitry ny hazo fihinam-boa sy ny tanin'i Moaba ny fankalazana sy ny hafaliana. Nanatsahatra ny famoloan-divain'izy ireo Aho. Tsy hanitsaka ny hiakiam-pifaliana izy ireo. Ny hiakiaka rehetra dia tsy ho hiakiam-pifaliana. 34 Avy any Hesbona ka hatrany Elale ireo hiakiaka, re any Jahaza ny feon'izy ireo, hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Elgata-selisia, fa na hatramin'ny ranon'i Nimrima aza dia maina. 35 Fa hamarana ireo izay manao sorona eo amin'ny toerana avo sy mandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamaniny ao Moaba Aho_izany ny fanambaran'i Yaveh. 36 Ka mitomany an'i Moaba tahaka ny sodina ny foko. Mitomany tahaka ny sodina ho an'ny olona ao Kira-haresa ny foko. Lasa ireo harena izay azon'izy ireo. 37 Fa sola ny loha rehetra ary niharatra ny volom-bava rehetra. Amin'ny tanana rehetra ireo ratra, ary manodidina ireo valahan'izy ireo ny lamba fisaonana. 38 Misy fisaonana na aiza na aiza, dia eny amin'ny tapela-tafotrano sy eny amin'ireo toerana malalak'i Moaba. Fa nopotehako tahaka ny vilany izay tsy misy mpitia i Moaba—izany no fanambaran'i Yaveh. 39 Endrey ny nanorotoroana izany! Endrey midradradradra amin'ny tomaniny izy ireo! Mampiodina ny lamosiny ho amin'ny henatra i Moaba! Ka ho tonga antom-pihomehezana sy fampihorohoroana ho an'ireo rehetra izay manodidina azy i Moaba." 40 Fa hoy Yaveh hoe: "Indro, ho avy hanidina toy ny voromahery ireo fahavalo, mamelatra ireo elany eo ambonin'i Moaba. 41 Voasamboatra i Keriota, ary babo ireo fiarovany mafy. Fa amin'izany fotoana izany dia ho tonga tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza ny fon'ireo miaramilan'i Moaba. 42 Ka ho rava i Moaba ary tsy hisy vahoaka intsony, satria nanao ny tenany ho lehibe noho i Yaveh izy. 43 Horohoro sy lavaka, ary fandrika no tonga eo aminareo, ry mponin'i Moaba—izany no fanambaran'i Yaveh. 44 Izay mandositra noho ny fampihorohoroana dia hilatsaka ao anaty lavaka, ary ireo izay mihanika ny lavaka dia ho tratran'ny fandrika, fa hitondra izany eo amin'izy ireo Aho amin'ny taonan'ny valifatiko amin'izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh. 45 Izay mandositra dia hijoro tsy manan-kery eo amin'ny alok'i Hesbona, fa hivoaka avy ao Hesbona ny afo, ny lelan'afo avy eo afovoan'i Sihona. Handevona ny handrin'i Moaba sy ny tampon-dohan'ny olona mpirehareha izany. 46 Loza ho anao, ry Moaba! Rava ny olon'i Kemosy. Fa alain-ko babo ireo zanakao lahy ary ireo zanakao vavy ho amin'ny fahababoana. 47 Fa haveriko ireo haren'i Moaba amin'ny andro farany—izany no fanambaran'i Yaveh." Tapitra eo ny fitsarana an'i Moaba.
Io no anaran'ny iray amin'ireo tendrombohitra ao Moaba.
Anaran-tanàna iray ao Moaba.
"Nosamborin'ny fahavalo ny tanàna an'i Kiriataima ary tsy afaka nireharehan'izany intsony ny mponina tao aminy."
Izany dia midika fa ilay haja izay nankafizin'i Moaba fahiny dia ho lasa.
Io no anaran'ily tanànan'ny mpanjaka an'ny mpanjakan'ireo Amorita.
"Madmena" dia renivohitr'i Moaba. "ho potehan'ny fahavalon'izy ireo ny tanànan'i Madmena"
Midika izany fa hisy tafika hanafika an'i Moaba.
Manohy mitantara ny faharavan'i Moaba i Jeremia.
Io dia anaran-tanàna any atsimon'i Moaba.
Ireo teny roa ireo dia mitovy ny dikany ary samy manamafy ny faharavana tanteraka.
Io dia manondro ny vahoaka'i Moaba.
Anarana toerana iray ao Moaba izany.
DH: "noho ny fandravana ilay tanàna"
Io dia manondro ny olona miaina ao Moaba.
Ireo olona tafatsoaka tamin'ilay fandravana tao amin'ilay tanàna dia nampitahaina amin'ny kirihitra izay maniry amin'ny toerana sarotra any an'efitra ary manana raviny maitso mandritra ny taona.
DH: "hiaina araka ny fomba sy fampianarana ny finoanareo"
"Kemosy " no andriamanitra lehiben'ireo Moabita. Eto "Kemosy " dia misolotena ny firenen'i Moaba.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy fa ny ampahany rehetra amin'ilay tany dia ho ravaina. DH: "Koa ho potehin'ireo mpandrava ny tanàna eny amin'ireo lohasaha sy ireo lemaka."
Io baiko io dia fanitarana, satria tsy misy afaka hametaka helatra amin'ny olona. Ny hevitr'ilay hoe manidina ihany koa dia maneho ny fahafahana mitsoaka haingana. DH: "Hampio ireo vahoaka an'i Moaba hitsoaka," "tsara tokoa raha mba manana elatra ka manidina ny vahoakan'i Moaba."
DH: "hamono olona"
Eto ny "azy" dia manondro ny firenen'i Moaba manontolo.
Ny teny "izy" dia ny firenen'i Moaba. Ny firenen'i Moaba dia nampitahaina amin'ny divay izay mbola tsy nivoaka teo amin'ilay tany.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny.
"Henoy tsara satria tsy ho ela dia"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary nampiarahana mba ho hanamafisana. Izy roa ireo dia samy manondro ny faharavana ho avy eo amin'ny firenen'i Moaba.
Ny "-nareo" dia manondro ireo miaramila Moabita.
DH: "Tsy afaka hiteny intsony ianareo hoe: 'Izahay dia miaramila, lehilahy mpiady mahery'
DH: "ny tovolahin'izy ireo tsara indrindra dia ho vonoina."
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy fa ho avy tsy ho ela ny faharavan'i Moaba. DH: "Ho ravain'ireo fahavalony tsy ho ela i Moaba."
Eto ny "tehana" sy tsorakazo" dia manondro ny fahefana sy fanohanana ara-politika izay nentin'i Moaba teo amin'ireo firenen-kafa. DH: "Ireo fahavalon'i Moaba dia efa nandavo ny heriny lehibe."
Ny teny "zanaka vavy" dia manondro ny vahoakan'i Dibona.
DH: "ireo fahavalon'ny vahoakan'i Moaba"
DH; "anontanio ny olona" na "anontanio ireo lehilahy sy vehivavy"
DH: "nitomany ny fanaintainana mafy aty tezitra"
Ireo dia anaran-tanàna ao Moaba.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ilay fitsarana izay nalefan'Andriamanitra teo amin'ny Moaba dia tokony hamela ilay tanàna ho hesoin'ireo fahavalony? Toy ny lehilahy mpisotro mamo ataon'ny olona fiomehezana sy fanesoana.
DH: "Fa ianao dia zatra niomehy sy naneso ry vahoakan'Israely."
DH: "Na dia mpangalatra aza izy ireo dia tsy voasambotra mihitsy. Nanotsakotsana naneso ny lohanao tamin'izy ireo ianao ary nanao tsinotsinona azy ireo.
Ny hantsana dia ilay sisiny manamorona ny tendrombohitra.
Io dia manondro ilay fisokafana eny amin'ny vato tahaka ny fidirina mankao amin'ny lava-bato.
voninahitra ... fieboeboan'ny fony - Ireo teny rehetra ireo dia mitovy ny heviny. Nampiasaina miaraka ireo teto mba hanindriana ny fireharehana tafahoatra an'ny vahoakan'i Moaba.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Mandà hankatò baiko na toromarikan'olona iray matetika noho ny fananana hambo.
Namerina niteny io teny io indroa i Jeremia imba ho fanamafisana.
Tomanin'alahelo mafy izay ataon'ny olona rehefa tafalatsaka anaty alahelo lalina izy na fahoriana lehibe.
Izany no anaran'ny renivohitr'i Moaba fahiny.
Ireo dia anaran'ny tanàna roa tao Moaba.
DH: "tsy misy hifaly sy hiravoravo intsony ao Moaba ankehitriny,"
"Nampijanona"
"Tsy handigana." Ny teny "izy ireo" dia manondro ireo mpanao divay tao Moaba.
Io no anaran'ny tanànan'ny mpanjakan'i Moaba.
Ireo dia anaran-tanàna ao Moaba.
Io no anaran'ny ony na renirano manakaiky ny ranomasina maty.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Jeremia dia mampitaha ny fihetsem-pony amin'ny feon-kira malahelo.
Ny "fo" eto dia manondro ny fihetsem-po lalin'i Jeremia. DH: "tena malahelo mafy an'"
Kira-haresa dia renivohitr'i Moaba fahiny, manodidina ny 18 kilometatra any antsinanan'ny ranomasina maty.
Ireo zavatra rehetra ireo no nataon'ny vahoakan'i Moaba raha nisaona na naneho ny alahelony lalina izy ireo.
Tataka eo amin'ny hoditra
"ny tafon-trano rehetra"
Kianja malalaka toy ny fiantsenana.
Ny teny "-ako" dia manondro an'i Yaveh
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
nandravana na namotehana
Tomanin'alahelo mafy izay ataon'ny olona rehefa tafalatsaka anaty alahelo lalina izy na fahoriana lehibe.
DH: "Ho lasa firenena izay hiomehezan'ireo firenena manodidina azy fihomehezana i Moaba"
Ireo fehezanteny ireo dia mampitaha ny fidinan'ny tafika mahery eo amin'i Moaba sy ny handreseny izany amin'ny fomba fidinan'ny voromahery rehefa mihaza ny hazany.
Tanàna ao Moaba.
"Nosamborin'ny fahavalo i Keriota ary nataony babo ireo fiarovana mafy"
Io fehezanteny io dia mampitaha ny tahotra izay nandrakotra ireo miaramilan'i Moaba amin'ny tahotrin'ny vehivavy rehefa hiteraka.
DH: "Koa ho vonoin'ny fahavalo ny vahoakan'i Moaba"
Eto ny "taona" dia azo adika koa hoe "fotoana" na "vanim-potoana"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Io dia manondro ny olona izay afaka nandositra nandritra ny fandravana an'i Moaba.
Toerana milamina ao amin'ny tanànan'i Hesbona.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy fa hanomboka ny fandravana an'i Moaba ar hiparitaka hatrany Hesbona. Hesbona no renivohitrin'ny mpanjakan'i Amorita, Sihona.
Ireo fehezanteny ireo dia manondro ny vahoakan'i Hesbona sy ireo mpitariny.
Faritra amin'ny tarehy izay ambonin'ny maso. Mariky ny fireharehana.
Io fehezanteny io dia manondro ireo olona manan-kaja tao Moaba, toy ireo andrian-dahy sy ireo mpitarika. Mariky ny fireharehana ihany koa.
DH: "Ny olon'i Kemosy dia novonoin'ireo fahavalony"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 48:6.
Io dia manodro ny fotoana ho avy.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
1 Raha ny momban'ny vahoakan'i Amona, izao no ambaran'i Yaveh: "tsy manan-janaka ve ny Israely? Moa tsy misy olona iray handova na inona na inona any Israely ve? Nahoana Malkana no hibodo an'i Gada, ary ny vahoakany honina any amin'ny tanànany? [1]2 Koa indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa hampaneno ny feo famantarana ho an'ny ady hanohitra an'i Raba eo amin'ny vahoakan'i Amona Aho, koa ho tonga atontan-paharavana izany ary ny zana-bohitrany dia ho dorana amin'ny afo. Fa Israely hanana ireo izay tsy nananany," Hoy Yaveh. 3 "Midradradradrà amin'ny fitarainana, ry Hesbona, fa ho rava i Ay! Mihikià, ry zanaka vavin'i Raba! Manaova lamba fisaonana. Manaova fitarainana ary mihazakazaha fahatany, fa i Malkana dia ho lasan-ko babo, miaraka amin'ireo mpisorony sy mpitarikany rehetra. 4 Nahoana ianao no mirehareha amin'ireo lohasahanao, ireo lohasahanao izay tena mahavokatra be, ry zanaka vavy tsy manam-pinoana? Ianao izay mitoky amin'ny harenao ka manao hoe, 'Iza no ho avy hanohitra ahy?' 5 Indro, hitondra fampihorohorona aminao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro—izany fampihorohorona izany dia ho tonga amin'ireo izay manodidina anao rehetra. Ny tsirairay aminareo dia hiparitaka manoloana izany. Tsy hisy na iray aza hanangona ireo izay mitsoaka. 6 Nefa aorin'izany dia hamerina ireo harenan'ny vahoakan'i Amona Aho—izany no fanambaran'i Yaveh." 7 Ny amin'i Edoma, izao no ambaran'i Yaveh Tompon'ny maro: "tsy misy fahendrena intsony ve hita ao Temana? Nisy toro-hevitra tsara ve avy amin'ireo izay nanana fahazavan-tsaina? Niha-simba ve ny fahendren'izy ireo? 8 Mandosira! miverena! mitoera any an-davaky ny tany, ry mponin'i Dedana. Fa mitondra ny lozan'i Esao eo aminy Aho amin'ny fotoana izay hamaizako azy. 9 Raha tonga aminao ny mpioty voaloboka, moa tsy hanajanona kely amin'izany ve izy ireo? Raha tonga amin'ny alina ny mpangalatra, tsy hangalatra mihoatra noho izay ilainy ve izy ireo? 10 Fa efa nampitanjaka an'i Esao Aho. Nampiseho ireo toerany miafina Aho. Ary tsy ho afaka hanafina ny tenany izy. Ny zanany, ireo rahalahiny, ary ireo mpiara-monina aminy dia noravana, dia lasa izy. 11 Ilaozy aoriana ireo kambotinao. Hiahy ny fiainan'izy ireo Aho, ary ny mpitondratenanao dia afaka mitoky amiko." 12 Fa izao no fanambaran'i Yaveh: "Indro, ireo izay tsy mendrika izany dia tokony hisotro amin'ny kapoaka tokoa. Mieritreritra ve ny tenanao fa handeha tsy ho saziana ianao? tsia, satria hisotro tokoa ianao. 13 Fa efa nianiana tamin'ny tenako Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—fa i Bozra dia ho lasa horohoro, ho fahafaham-baraka, hampalahelo be, ary ho zavatra fanozonana. Ny tanàna rehetra ho tonga faharavana mandrakizay. 14 Nandre vaovao tamin'i Yaveh Aho, ary nisy iraka nalefa tany amin'ireo firenena, 'Mivondrona ary tafio izy. Mivonòna amin'ny ady.' 15 "Fa indro, nataoko kely ianao raha ampitahaina amin'ireo firenena hafa, ary tsinotsiniavin'ny amin'ny olona. 16 Raha ny fahatahorana anao, dia namitaka anao ny avonavon'ny fonao, ry mponina eny amin'ny toeran'ny hantsana, ianao izay nibahana ny havoana ambony indrindra mba hanaovanao ny akaninao ho ambony toy ny an'ny voromahery. Ho ampidiniko avy eny ianao—izany no fanambaran'i Yaveh. 17 Ho horohoro ho an'izay mandalo eny amin'izany i Edoma. Ny olona rehetra toy izany dia hangovitra ary hisiotsioka noho ny amin'ireo loza rehetra ireo. 18 Toy ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora ary ireo mpiara-belona aminy, "hoy Yaveh, "tsy hisy olona honina any; tsy misy vahoaka hijanona any. 19 Indro, hiakatra toy ny liona avy any amin'ny alan'i Jordana izy ho any amin'ireo tanin'ahi-maitso. Fa ho ampandosiriko haingana amin'izany i Edoma, ary hametraka olona izay handray an-tanana izany aho. Fa iza no toa ahy, ary iza no hiantso ahy? Mpiandry ondry iza no afaka hanohitra ahy?" 20 "Koa henoy ny hevitra izay notapahin'i Yaveh hanoherana an'i Edoma, ny fikasana izay efa nataony hanoherana ireo mponin'i Temana. Ho taritarisiny eny rehetra eny tokoa izy ireo, na dia ny kely indrindra amin'ny ondry aza. Ireo tanin'ahiny ho tonga toerana noravaina. 21 Nihozongozona ny tany tamin'ny feon'ny fianjeran'izy ireo. Ny feon'ny fitarainana dia re hatrany amin'ny Ranomasina Mena. 22 Indro, misy olona hanafika toy ny voromahery, ka hidina ary hamelatra ny elany eo amin'i Bozra. Ary amin'izany andro izany, ny fon'ireo miaramilan'i Edoma dia ho tonga toy ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza." 23 Ny amin'i Damaskosy: "Ho menatra i Hamata sy Arpada, fa nahare ny vaovao momba ny loza izy ireo. Ketraka izy ireo! hangovitra noho ny ranomasina izy ireo, izay tsy mety tony. 24 Mihaosa tokoa Damaskosy. Mivily handositra izany; azon'ny horohoro izany. Azon'ny fahoriana sy fanaintainana izany, toy ny fanaintainan'ny vehivavy miteraka. 25 Nahoana no tsy nafoy ny tanàna fiderana, ny tanàn-dehiben'ny fifaliako? 26 Noho izany dia ho lavo eo amin'ny toerany ireo tovolahy, ary ireo lehilahy mpiady rehetra dia ho faty amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro." 27 "Fa handrehitra afo eo amin'ny rindrin'i Damaskosy Aho, ary handevona ireo fiarovana mafy ho an'i Beni-hadada izany." 28 Ny amin'ny Kedara sy ny fanjakan'i Hazora, izao no nambaran'i Yaveh tamin'i Nebokadnezara(ary Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona dia hanafika ireo toerana ireo): "Mitsangana ka tafio Kedara ary aringano ireo vahoakan'ny atsinanana. 29 Ho alaina ireo lainy sy ireo ondry aman'osiny, miaraka amin'ireo lainy lamba ary ireo fitaovany rehetra; ho alaina amin'izy ireo ireo ramevany, ary hanao hiaka fifaliana amin'izy ireo ny olona, "Horohoro no eo amin'ny manodidina rehetra!" 30 Mandosira! mandehana alavitra! Mijanona eo amin'ny ireo lavakin'ny tany, ry mponin'i Hazora—izany no fanambaran'i Yaveh—fa i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona dia efa nanao tetika hanoherana anao. Mandosira! miverena! 31 Mitsangana! tafio ny firenena ao am-pitoniana, izay miaina amin'ny fiarovana," Hoy Yaveh. "Tsy manana vavahady na fanidiana any aminy izy ireo, ary ireo olony dia miaina amin'izy ireo. 32 Ho robaina ireo ramevany, ary horobaina amin'ny ady ireo fananany maro be. Ary haeliko eny amin'ny rivotra rehetra eny ireo izay nanety ny sisim-bolony, ary hitondra loza amin'zy ireo eo amin'ny lafiny rehetra Aho—izany no fanambaran'i Yaveh. 33 Ho tonga fonenan'ny ambodia i Hazora, ho tany ngazana maharitra. Tsy misy honina any, tsy misy olona hijanona any." 34 Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'i Elama. Izao no nitranga tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Zedekia mpanjakan'ny Joda, ary hoy izy: 35 "Izao no nambaran'i Yaveh Tompon'ny maro: Indro, hanapaka ireo mpandefa tsipìka an'i Elama Aho, ain-dehibe ny herin'izy ireo. 36 Fa hitondra ireo rivotra efatra avy any amin'ny zoron'ny lanitra efatra Aho, ary hampiely ny vahoakan'i Elama amin'izany rivotra rehetra izany aho. Tsy misy firenena izay tsy ho alehan'ireo izay nahely tao Elama ireo. 37 Ary hanorotoro an'i Elama eo anoloan'ireo fahavalony Aho ary eo anoloan'ireo izay mitady ny ainy. Fa hitondra loza hanoherana azy ireo Aho, ny fahatezerana amin'ny fahavinirako—izany no fanambaran'i Yaveh— ary handefa ny sabatra amin'izy ireo aho mandra-pahalany tamingana azy ireo. 38 Dia hametraka ny seza fiandrianako eo amin'i Elama Aho ary handringana ny mpanjakany sy ireo mpitarika avy ao—izany no fanambaran'i Yaveh— 39 ary hitsangana izany amin'ny andro farany izay hitondrako hiverina ireo harenan'i Elama—izany no fanambaran'i Yaveh."
DH: "Misy maro ireo Israelita handova ny tanin'Israely. Ny olona izay nanompo sampy, Moleka, dia tsy tokony hiaina ao Gada."
Io dia manampy fanamafisana amin'izay ho lazaina manaraka. DH: "Diniho ary mihainò."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 7:31.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Mitomania mafy
Ireo vehivavy ao amin'ny tanànan'i Raba
"Ianao dia manao fihevitra diso hoe tsy misy maharesy anao."
Io teny io dia manondro ny vahoakan'i Amona.
DH: "andeha amin'ny lalana samihafa"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Navoaka tamin'ny fomba roa samihafa ilay hevitra.
"Hita fa tsy misy olona hendry ao Temana distrikan'i Edoma!"
"Ny toro-hevitr'izy ireo dia tsy hendry intsony."
Manohy miresaka izay hitranga amin'i Edoma Yaveh.
"Ireo mpioty voaloboka dia mamela voany foana."
"Raha tonga amin'ny alina ny mpangalatra dia azo antoka fa hangalatra araka'izay vitany izy ireo.
Manohy miresaka izay hitranga amin'i Edoma Yaveh.
DH: "Jereo" na "henoy" na "henoy ny zavatra izay ho lazaiko aminareo"
DH: "hiaina fanasaziana"
DH: "Ianao dia tokony hafantatra fa ianao dia hiaina sazy noho ireo otanao.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Miresaka amin'ny vahoakan'i Edoma i Jeremia.
Ny teny "Aho" dia manondro an'i Jeremia.
Ny teny "izy" dia manondro an'i Edoma.
Ny teny "-ko" dia manondro an'i Yaveh.
Ny teny "ianao" dia manondro ny vahoakan'i Edoma.
Manohy miresaka izay hitranga amin'i Edoma Yaveh.
DH: "niaina ampilaminana tahaka ny ny voromahery eny amin'ny tampon'ny tendrombohitra."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Edoma Yaveh.
DH: "hangovitry ny tahotra ary hiresaka ny tsy fahafam-pony izy ireo.
DH: "toy ny fomba namotehana an'i Sodoma sy Gomora"
Niteny izany indroa Yaveh mba hanamafisana fa i Edoma dia lao tanteraka.
Manohy miresaka izay hitranga amin'i Edoma Yaveh.
DH: "Jereo" na "henoy" na "henoy ny zavatra izay ho lazaiko aminareo"
Izany dia fomba fiteny hafa hilazana fa ilay fanafihana dia hasika sy tsy ampoizina.
Nametraka io fanontaniana io Yaveh mba hanondrona ny hakelin'ny olombelona. DH: "Tsy misy toy Ahy, tsy misy mandidy Ahy ho avy"
"mibaiko olona ho avy"
Nametraka io fanontaniana io Yaveh mba ampisehoana fa tsy misy afaka mandresy Azy. Ny "Mpiandry ondry" eto dia sarinteny ilazana ny "nmpanjaka", "mpanapaka".
ireo mponina izay mipetra ao Temana
DH: "Hitaritarika azy ireo Izy, na ny ondry kely indrindra aza"
DH: "Ho avadiny ho toerana lao ireo tanin'ahiny"
Ny tanin'ahitra dia toerana rakotra bozaka izay fieren'ireo biby.
Ny teny "izy ireo" dia manondro an'i Edoma.
Ny tanjon'io fanitarana io dia mba hilazana ny tsy fahombiazan'i Edoma dia ho mafy.
DH: "Jereo" na "henoy"
Hatsiravina sady tsy ho ampoizina ilay fanafihana.
Tanàna iray.
"ho safotra sy ho feno tahotra"
Miresaka izay hitranga amin'ny vahoakan'i Damaskosy Yaveh.
Izany dia tanàna Syriana.
DH: "Natahotra izy ireo"
Ny fihetsem-pon'izy ireo dia nampitahaina tamin'ny ranomasina.
Ny fijalian'ilay tanàna dia nampitahaina amin'ny fanaintainan'ny vehivavy miteraka.
DH: "Tsy tokony mbola hisy olona ao amin'ity tanàna malaza ity, tanàna izay nisy fifaliana sy firavoravoana.
Manohy miresaka izay hitranga amin''i Damaskosy Yaveh.
Io dia manondro an'i Damaskosy.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Io no anaran'ilay mpanjaka.
Miresaka momban'izay hitranga amin'i Kedara i Jeremia.
Io dia anarana vondron'olona.
Anarana toerana ao amin'ny ara-Baiboly sy moderina an'Israely.
Manohy miresaka momban'izay hitranga amin'i Kedara i Yaveh.
"Miafena"
"ireo olona miaina ao Hazora"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7
"nitetika" na "nikasa"
Ny teny "izy ireo" dia manondro ireo olona izay mahatsiaro milamina sy mandry fahalemana.
"andeha any rehetra any"
DH: "Ary ho alefako eny amin'ny lalana rehetra eny ireo izay tsy mankatò ny didiko"
Ireo andalana roa ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy fa i Hazora dia ho lao tanteraka.
Miresaka momban'izay hitranga any Elama Yaveh.
Lehilahy izay manana traikefa amin'ny tsipìka sy zana-tsipìka
"rivotra 4 avy any amin'ny zoron'ny lanitra 4"
DH: "eny rehetra eny, na aiza na aiza"
DH: "Ireo mpitsao-ponenana avy any Elama dia votery nitady fonenana na aiza na aiza manerana izao tontolo izao."
Nanohy niresaka mahakasika izay hitranga any Elama Yaveh
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
DH: "handefa ny fahavalony hamono azy ireo"
DH: "hametraka ny fitantanako eo amin'..."
1 Izao ny teny nambaran'i Yaveh ny mahakasika an'i Babylona, ilay tanin'ireo Kaldeana, tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany: 2 "Tantero any amin'ireo firenena ary asaivo mihaino izy ireo. Asandrato ny famantarana ary asaivo mihaino izy ireo. Aza afenina izany. Lazao hoe: 'Babo i Babylona. Nalaina baraka i Bela. Nivadi-po i Merodaka. Nalaim-baraka ireo sampiny; nivadi-po ireo sarin-javany.' 3 Hitsangana hamely azy ny firenena avy any avaratra, mba hahatonga ny taniny ho faharavana. Tsy misy, na olona na biby, hiaina ao amin'izany. Handositra izy ireo. 4 Amin'izany andro izany ary amin'izany fotoana izany—izany no fanambaran'i Yaveh_ny vahoakan'Israely sy ny vahoakan'i Joda dia hiara-tonga mba handeha amim-pitomaniana ary hitady an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. 5 Hanontany ny lalana mankany Ziona izy ireo ary hamakivaky izany, manao hoe: Handeha izahay ary hanatona an'i Yaveh amin'ny fanekena mandrakizay izay tsy ho adinoina." 6 Ondry very ny oloko. Nitarika azy ireo any amin'ny lalan-diso any an-tendrombohitra ireo mpiandry ondrin'izy ireo; navilin'izy ireo erakin'ny havoana izy ireo. Nandeha izy ireo, ka nanadino ny toerana izay nonenany. 7 Ny olona rehetra izay nivoaka teo amin'izy ireo dia namiravira azy ireo. Hoy ireo fahavalony hoe: "Tsy meloka izahay, satria izy ireo dia nanota tamin'i Yaveh, fonenany marina izy ireo—dia i Yaveh, ilay fanantenan'ireo razamben'izy ireo.' 8 Mialà ao afovoan'i Babylona; mivoaha avy ao amin'ny tanin'ny Kaldeana, aoka ianareo ho tahaka ireo osy lahy izay miala alohan'ny andehanan'ny ondry sisa. 9 Fa indro, efa an-dalam-pametrahana ny hetsika sy hanangana ny vondron'ireo firenena lehibe avy any avaratra hamely an'i Babylona Aho. Hifandamina hanohitra azy izy ireo. Ho samborina avy any i Babylona. Ho tahaka ny mpiady mahay izay tsy miverina tanam-polo ny zana-tsipìkan'izy ireo. 10 Ho lasa babo i Kaldea. Ho afa-po ireo rehetra izay mambabo azy—izany no fanambaran'i Yaveh. 11 Mifaly, mankalaza ny fahababoan'ny lovako ianareo; mitsambikimbikina tahaka ny zanak'ondry eny amin'ny fihinanam-bilony ianareo; maneno tahaka ny soavaly mahery ianareo. 12 Ka ho afa-baraka tokoa ny reninareo; izay niteraka anareo dia ho menatra. Indro, ho kely indrindra amin'ireo firenena izy, ho tany efitra, tany maina, ary tany hay. 13 Nohon'ny fahatezeran'i Yaveh, dia tsy honenana intsony, fa ho faharavana tanteraka i Babylona. Ny olona rehetra izay mandalo dia hangovitra noho i Babylona ary hisiotsioka nohon'ny feriny rehetra. 14 Mifandamìna hamely an'i Babylona sy ny manodidina azy rehetra ianareo. Tsy maintsy hitifitra azy ny olona rehetra izay manenjana ny tsipìkany. Aza misy ajanona ny zana-tsìpikanareo, fa efa nanota tamin'i Yaveh izy. 15 Asandrato manodidina azy rehetra ny hiakiaka! Efa voadidina izy; efa nianjera ireo tilikambony; voarodana ireo mandany, fa izany no valifatin'i Yaveh. Manaova valifaty eo aminy! Dia ataovy tahaka izay efa nataony! 16 Aringano ny mpamboly izay mamafy ny voa sy izay mampiasa ny antsy fijinjana amin'ny fotoam-pijinjana ao Babylona. Aoka hiverina avy any amin'ny sabatry ny mpampahory ho any amin'ny vahoakany ny olona tsirairay; aoka izy ireo hiverina any amin'ny taniny. 17 Israely dia ondry naparitaka sy noroahan'ny liona. Ny mpanjakan'i Asyria no namiravira azy ireo voalohany; ary taorian'izay, dia notapahin'i Nabokadnezara mpanjakan'i Babylona ireo taolany. 18 Noho izany izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'Israely: "Indro, efa manafay ny mpanjakan'i Babylona sy ny taniny Aho, tahaka ny namaizako ny mpanjakan'i Asyria. 19 Hamerina an'Israely any amin'ny tanindrazany Aho, hihinana Karmela sy Basana izy. Ary ho afa-po ao amin'ny tany havoan'i Efraima sy Gileada izy. 20 Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy i Yaveh, ho tadiavina ao Israely ny heloka, nefa tsy hahita. Hanontany ny momban'ny fahotan'i Joda Aho, nefa tsy hahita, fa hamela heloka ny sisa tavela izay namindrako fo Aho." 21 "Mitsangàna hamely ny tanin'i Merataima, hamely izany sy ireo izay mponina Pekoda. Apetraho eo amin'ny sabatra izy ireo ary atokany ho an'ny faharavana—izany no fanambaran'i Yaveh—ataovy izay rehetra andidiako anareo. 22 Ao amin'ny tany ny feon'ny ady sy ny faharavana lehibe. 23 Endrey ny nanapahana sy namotehana ny tantanan'ny tany rehetra. Indrisy fa tonga horohoro eo amin'ireo firenena i Babylona. 24 Nametrahako fandrika ianao ka tratra, ry Babylona, ary tsy nahafantatra izany ianao! Tratra sy voasambotra ianao, satria nanohitra an'i Yaveh. 25 Efa nanokatra ny fitoeran'ny fitaovam-piadiany i Yaveh ary nentiny mivoaka ireo fitaovam-piadiana ho fanehoany ny fahatezerany. Misy asa ho an'i Yaveh Tompon'ny maro ao amin'ny tanin'ny Kaldeana. 26 Tafio avy lavitra izy. Sokafy ny fitoeram-bokany ary akorotano tahaka ny antontam-bary izy. Atokano ho an'ny faharavana izy. Aza avela hisy tavela ny aminy. 27 Vonoy ny ombilahiny rehetra. Ampidino any amin'ny toerana famonoana ireo. Loza ho azy ireo, fa efa tonga ny androny—dia ny fotoana famaizana azy ireo. 28 Injany ny feon'ny fandosiran'izy ireo, dia ireo sisa tsy maty, avy tany amin'ny tany Babylona. Izy ireo no hitatitra ny valifatin'i Yaveh Andriamanitsika ho an'i Ziona, sy valifaty ho an'ny tempoliny." 29 "Antsoy ireo mpandefa zana-tsipìka hamely an'i Babylona—ireo rehetra izay manenjana ny tsipìkany. Mitobia hamely azy, ary aza avela hisy afa-mandositra. Valio amin'izay efa nataony izy. Ataovy aminy araka ny izay efa fataony. Fa efa niantsy an'i Yaveh izy, dia ilay Masin'Israely. 30 Ka dia ho lavo eny amin'ny zoron-tanàna ireo tovolahiny, ary ho ringana ireo lehilahy mpiadiny rehetra amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh." 31 "Indro, mamely anao Aho, ry mpirehareha—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro—fa efa tonga ny andronao, ry mpirehareha, dia ny fotoana izay hamaizako anao. 32 Ka ho tafintohina sy ho lavo ireo mpirehareha. Tsy hisy hanangana azy ireo. Handrehitra afo eo amin'ireo tanànan'izy ireo Aho; handevona ny zava-drehetra manodidina azy izany. 33 Izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Nampahoriana ireo vahoakan'Israely, miaraka amin'ireo vahoakan'i Joda. Mbola notanan'ireo rehetra nisambotra azy izy ireo; nandà ny hamela azy ireo andeha izy ireo. 34 Mahery Ilay mpamonjy azy ireo. Yaveh Tompon'ny maro no Anarany. Handahatra ny amin'izy ireo marina Izy, mba hitondra fitsaharana ao amin'ny tany, ary mba hitondra fifandirana ho an'ireo mponin'i Babylona. 35 Ny sabatra dia hamely an'ireo Kaldeana—izany no fanambaran'i Yaveh—ary hamely ny mponin'i Babylona, ireo mpitariny, ary ireo lehilahy hendriny. 36 Tonga hamely ireo izay manao tenin-tsikidy ny sabatra, mba hitonon-tena ho toy ny adala izy ireo. Tonga hamely ireo miaramilany ny sabatra, ka dia ho feno tahotra izy ireo. 37 Tonga hamely ireo soavaliny, ireo kalesiny ary ireo olona rehetra izay ao afovoan'i Babylona ny sabatra ka dia ho tonga tahaka ny vehivavy izy ireo. Tonga hamely ireo trano fitehirizany ny sabatra, ka ho voaroba izy ireo. 38 Ho tonga eo amin'ireo ranony ny hain-tany, ka dia ho maina ireo. Fa tanin'ireo sampy tsy misy ilàna azy izy, ary miasa tahaka ny olona noverezin-tsain'ireo sampiny mahatsiravina izy ireo. 39 Ka ireo bibin'ny tany efitra miaraka amin'ireo ambodia no honina any, ary ny aostrisy tanora no hitoetra ao aminy. Fa amin'ny fotoana rehetra, dia tsy honenana intsony izy. Hatramin'ny taranaka fara mandimby, dia tsy honenana ao aminy. 40 Dia tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora ary ireo manodidina azy—izany no fanambaran'i Yaveh—tsy hisy honina ao; tsy hisy olona hijanona ao aminy." 41 "Indro, tonga ny vahoaka avy any avaratra, ho an'ny firenena lehibe sy ireo mpanjaka maro efa nisandratra avy any an-tany lavitra. 42 Haka tsipìka sy lefona izy ireo. Lozabe Izy ireo ary tsy manana fangoraham-po. Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina ny feon'izy ireo, ary mitaingin-tsoavaly mitan-dahatra tahaka ny lehilahy mpiady, hamely anareo izy ireo, ry zanaka vavin'i Babylona. 43 Nandre ny tatitr'izy ireo ny mpanjakan'i Babylona, ary nalemy nohon'ny horohoro ny tanany. Namely azy tahaka ny vehivavy miteraka ny fahoriana. 44 Indro! Miakatra tahaka ny liona avy any ambonin'ny Jordana ho any amin'ny fitoeram-bilona maharitra izy. Fa ho ataoko mandositra faingana ao amin'izany izy ireo, ary hametraka olona voafidy hiandraikitra izany Aho. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hiantso Ahy? Mpiandry ondry tahaka ny ahoana no ahatohitra Ahy? 45 Koa henoy ary ireo fikasana izay nataon'i Yaveh hamelezana an'i Babylona, ireo fikasana izay efa nalaminy hamelezana ny tanin'ireo Kaldeana. Ho viraviraina tokoa izy ireo, eny fa na dia ny ondry kely indrindra aza. Ho lasa toerana rava ny tany fihinanam-bilon'izy ireo. 46 Amin'ny feon'ny faharesen'i Babylona dia mihorohoro ny tany, ary re amin'ireo firenena ny hiakam-pahorian'izy ireo."
Ny famerenana ireo fehezanteny ireo dia manamafy ny lanjan'ilay didy.
Ireo andalana ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy fa nalain'i Yaveh baraka ireo andriamanitr'i Babylona.
Ireo no anaran'ireo filohan'ny andriamanitr'i Babilona.
Ny teny "azy" eto dia manondro an'i Babylona.
Ny teny "-ny" eto dia manondro an'i Babylona.
Ny teny "izany" eto dia manondro an'i Babylona.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 33:14.
Ny teny "izy ireo" eto dia manondro ny vahoakan'Israely sy ny vahoakan'i Joda.
Io dia sarinteny nampiasaina mba hanazavana ny fifandraisana ara-panahy amin'i Yaveh.
Io dia manambara fa ilay fifanekena dia ho ankatoavina mandrakizay. DH: "izay tsy ho adinoana mandrakizay"
Io dia mampitaha ny vahoakan'Israely amin'ny andian'ondry izay very.
Ny teny "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely.
Io dia mampitaha ny olona izay notoloran'i Yaveh hevitra hiala faran'izay haingana tao Babylona sy ny ireo osilahy izay manana fahazarana hiala amin'ireo andiany.
"Ireo firenena dia hisambotra an'i Babylona"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Io dia mampitaha ny vahoakan'i Babylona amin'ireo zanak'ondry mihazakazaka ampifaliana eny amin'ny fihinanam-bilona.
Io dia mampitaha ny hafalian'izy ireo amin'ny fifalian'ny soavaly mamoaka feo avo.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy ny fahamenarana. Ny teny "reny" sy "izay niteraka" eto dia samy manondro an'i Babylonia sy ny tanànan'i Babylona.
Ireo fehezanteny ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy ny fahamainana tanteraka an'ilay tany.
mihorohoro noho ny tahotra
manao feo toy ny an'ny bibilava izay midika ho tsy fankatoavana
Miteny ny fomba handresena amin'ireo fahavalon'i Babylona Yaveh.
Io dia manondro an'ireo miaramila izay mampiasa ny tsipìka sy ny zana-tsipìkany rehefa hiady.
Ny teny "azy" dia manondro an'i Babylona.
DH: "narodan'ireo firenena ireo mandany"
Miteny ny fomba handresena amin'ireo fahavalon'i Babylona Yaveh.
Ny "ny antsy fijinjana" dia fitaovana nampiasain'ny olona hiotazana voa.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ireo no miaraka dia manamafy ny didy fitsoahan'ireo vahiny an'i Babylona.
Eto ny "sabatra" dia manondro ireo tafika izay hanafika an'i Babylona.
DH: "Israely dia ondry izay naparitaky ny liona ary noroahina" Yaveh dia nampitaha an'Israely tamin"ny oindry sy ny liona fahavalony.
Io dia mampitaha ny fandraravan'Israely amin'ny fanapahan'i Nebokadnezara ireo taolana"
"Jereo" na "henoy" na "henoy ny zavatra izay ho lazaiko aminareo"
Io dia manondro an'i Yaveh.
"Israely dia hinana ny sakafon'i Karmela sy Basana."
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 33:14.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ireo no miaraka dia manamafy fa Yaveh dia hamela tanteraka ny vahoakan'Israely.
DH: "Hitady heloka eo amin'ny vahoakan'Israely Yaveh saingy tsy hahita."
Io dia anarana hafa hiantsoina an'i Babylona. Io anarana io dia midika hoe "fikomiana roa"
Io dia anarana hafa hiantsoina an'ireo Kaldeana. Io anarana io dia midika hoe "fitsidihana"
Io dia manondro ny fisiana sabatra izay hidina eo amin'ny olona mba hamono azy ireo. DH: "hamono azy ireo"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Eto ny "tantanan'ny tany rehetra" dia ny tafika maherin'i Babylona izay ho ravaina.
tahotra lehibe
DH: "voasambotro ianao ry Babylona"
DH: "hitako ianao ary voasambotro"
trano izay fitehirizana ny voa
DH: "akorotano tahaka ny antontam-bary izay sisa tavela aminy"
Milaza ny fomba hamotehana ny vahoakan'i Babylona sy Kaldeana.
Ireo tanora mpiady dia nampitahaina tamin'ireo ombilahy noho ny tanjak'izy ireo.
Ombilahin'i Babylona.
Ny teny "izy ireo" sy "azy ireo" dia manondro ny vahoakan'i Babylona.
Ny teny "ireo" dia manondro ireo tafavoaka velona tao Babylona izay nilaza tamin'ireo hafa ny valifatin'i Yaveh.
Milaza ny fomba hamotehana ny vahoakan'i Babylona sy Kaldeana.
Ny teny "azy" sy "izy" dia manondro an'i Babylona.
DH: "ho potehiko ireo lehilahy mpiadiny"
Io teny io mampiditra zavatra vaovao hisarihana ny saina.
Izany no namaritan'i Yaveh an'i Babylona
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Ilay fehezanteny faharoa dia mamaritra ny "andro" izay voatonona tao amin'ilay fehezanteny voalohany. DH: "fa tonga ny andro hanasaziako anao"
Io dia manondro ny fotoana mandritra ny hiavian'ny fitsarana eo amin'i Babylona.
Ny teny "Aho" dia manondro an'i Yaveh.
Io dia manondro ny fomba hiavian'ilay fandravana.
DH: "Ireo Babyloniana dianampahory ny vahoakan'Israely"
Ny teny "izy ireo" dia manondro ireo vahoakan'Israely.
Ny teny "izy ireo" dia manondro ireo Babyloniana.
Ny teny "azy ireo" dia manondro ireo vahoakan'Israely.
Ny "sabatra" dia manondro ireo izay mampiasa azy. DH: "ho avy eo amin'ireo Kalideana ireo miaramila fahavalo mitana sabatra"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ny teny "hitonon-tena" dia mampiseho ny adalan'izy ireo ary mamboraka izany mba ahafahan'ny rehetra mahita izany.
DH: "hameno azy ireo ny tahotra"
"ho lasa malemy noho ny vehivavy izy rehetra ireo"
Ny trano fitehirizana dia toerana fametrahana zavatra sarobidy.
DH: "handroba azy ireo ny miaramila fahavalo"
Ny "ranony" dia manondro ireo loharanony rehetra sy ireo zavatra hafa ilaina amin'n fiainana, indrindra ny ony izay manaraka ny tanàna.
Ny ambodia dia alika miaina any an'ala izay fahita any Asia sy any Afrika.
Ny "aostrisy" dia vorona Afrikanina tena lehibe izay afaka mihazakazaka mafy saingy tsy afaka manidina. Ny teny "aminy" dia manondro an'i Babylona.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy fa i Babylona dia lao tanteraka.
DH: "tsy misy olona hipetraka ao aminy"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy fa i Babylona dia lao tanteraka.
Io teny io dia milaza fa tokony hifantoka manokana amin'izay ho lazain'i Yaveh manaraka.
Io fehezanteny io dia manondro ny fotoana rehefa nandresy an'i Babylona i Medesa sy ireo Persiana tamin'ny taona 539 talohan'i Kristy.
Toy ny fomba filaharan'ireo vondron-tafika rehefa hiady.
Io fehezanteny io dia manondro ny vahoakan'i Babylona.
Ny teny "indro" dia mitondra fanamafisana amin'izay ho lazaina manaraka.
Ny teny "izy" dia manondro an'ireo mpiavy avy any avaratra.
Io dia fomba iray hafa hilazana fa ilay fanafihana dia hasiaka sy amin'ny fotoana tsy ampoizina.
Ny teny "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'i Babylona; ny teny "izany" dia manondro ilay fanafihana.
DH: "olona izay ho fidiko"
Nametraka io fanontaniana io Yaveh mba ampisehoana ny hakelin'ny olombelona. DH: "Tsy misy tahaka Ahy, tsy misy mandidy Ahy mba ho avy."
mandidy olona ho avy
Nametraka io fanontaniana io Yaveh mba ampisehoana fa tsy misy mpitarika afaka hanohitra Azy na handresy Azy.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary nampiasaina miaraka mba ho fanamafisana.
Midika izany fa ny vahoakan'i Babylona dia ho esorina eny amin'ireo tranony na tian'izy ireo na tsy tiany.
"ho ataoko toerana lao ny fihinanam-bilon'izy ireo"
Io fehezanteny io dia mampitaha ny fianjeran'ilay firenena matanjak'i Babylona amin'ny feo mafy sy horohoron-tany.
tsy fahafaliana na fanaitainana
"ny hiakam-panaitainan'izy ireo"
1 Izao no ambaran'i Yaveh: "Indro, handeha hampitsoaka ny rivotra mpandringana amin'i Babylona sy ireo izay monina ao Leba-Kamay Aho. 2 Handefa ireo vahiny ao Babylona Aho. Hanaparitaka azy izy ireo ary handravarava ny taniny, fa ho avy hanohitra azy avy amin'ny manodidina rehetra izy ireo amin'ny andron'ny loza. 3 Aza avela handefa ireo zana-tsipíkany ireo mpandefa tsipíka, aza avela hanao ny akanjo fiarovany izy ireo. Aza mamindra fo amin'ireo tovolahiny; hatokany amin'ny fandravana ny tafiny rehetra. 4 Fa ny olona maratra dia hianjera ao amin'ny tanin'ireo Kaldeana, ireo izay voavono dia hianjera eny amin'ireo lalany. 5 Fa Israely sy Joda dia tsy nafoin'ny Andriamaniny, Yaveh Tompon'ny maro, na dia feno ireo fandikan-dalàna manohitra ny Masin'Israely aza ny taniny. 6 Mandosira amin'ny afovoan'i Babylona. Aoka ny olona tsirairay samy hanavotra ny tenany. Aoka tsy ho ringana ao anatin'ny helony. Fa izao no fotoana hanaovan'Yaveh valifaty. Honerany ho azy ny rehetra amin'izany. 7 Kapoaka volamena eo an-tanan'i Yaveh i Babylona izay nahamamo izao tontolo izao; nisotro ny divainy ireo firenena ka lasa very saina. 8 Hianjera tampoka Babylona ary ho ravaina. Midradradradrà ho azy! Omeo fanafody amin'ny fanaitainany izy; dia ho sitrana izy angamba. 9 'Naniry ny hahasitrana an'i Babylona izahay, fa tsy sitrana izy. Aoka isika rehetra handao azy sy handeha lavitr, ho any amin'ny tanintsika. Fa mahatakatra lanitra ny helony; misavovona hatreny amin'ireo rahona izany. 10 Efa nanambara ny tsy fananantsika tsiny Yaveh. Avia, andeha isika hilaza amin'i Ziona ireo asan'i Yaveh Andriamanitsika. 11 Ranito ireo zana-tsipíka ary alaivo ireo ampinga. Yaveh dia misarika ny mpanjakan'i Medesa amin'ny fikasana hamotika an'i Babylona. Izany dia ho an'ny valifatin'Yaveh, famaliana faty tamin'ny nandravana ny tempoliny. 12 Manandrata faneva eo ambonin'ireo mandan'i Babylona. Hamafiso ny fiambenana; mametraha mpiambina; ataovy vonona ireo otrika; fa hotanterahin'ny TOMPO ireo izay nolazainy mahakasika ny mponin'i Babylona. 13 Ianareo mponina izay mipetraka eny amin'ireo moron-drano; Ianareo mponina izay manan-karena zava-tsarobidy, tonga ny fiafaranareo. Ny tadin'ny fiainanareo dia nafohezina ankehitriny. 14 Nianina tamin'ny ainy manontolo i Yaveh Tompon'ny maro hoe: "Ho fenoiko fahavalonao ianareo, tahaka ny fandringanan'ny valala; hanangana adim-pihorahana aminao izy ireo.' 15 Nanao ny tany tamin'ny alalan'ny fahefany Izy; nametraka ny tany tamin'ny toerany izy avy tamin'ny fahendreny; namelatra ireo lanitra tamin'ny fahazavan-tsainy Izy. 16 Rehefa mitrerona Izy, dia misy rano mierona any an-danitra, Fa mitondra ny zavona avy any am-paran'ny tany izy. Manao tselatra ho an'ny orana Izy ary mamoaka ireo tafio-drivotra ao amin'ireo trano fitehirizany. 17 Lasa bado ny olona rehetra, tsy manam-pahalalana. Ireo mpanefy vy rehetra dia ho menatra noho ireo sampiny. Fa fitaka ireo sarin-javatra an-idinany, ary tsy misy fiainana ao amin'izy ireny. 18 Tsy ilaina izy ireny, ireo asan'ny mpaniratsira; ho faty izy ireo amin'ny fotoanan'ny famaizana azy. 19 Fa Andriamanitra, ilay anjaran'i Jakoba, dia tsy mba tahaka izany, fa Izy no mpamolavola ny zavatra rehetra. Israely no fokon'ny lovany; Yaveh Tompon'ny maro no Anarany. 20 Fa Ianao no fitaovam-piadiko, langilangy amin'ny adiko. Ianao no hanorotoroko ireo firenena sy hamotehiko ireo fanjakana. 21 Ianao no hanorotoroko ireo soavaly sy ireo mpitaingina azy; miaraka Aminao no hanorotoroko ireo kalesy sy ireo mpitondra azy. 22 Ianao no hanorotoroko ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay avy; Ianao no hanorotoroko ny antitra sy ny tanora. Miaraka aminao no hanorotoroko ireo zatovo lahy sy ireo virjiny vavy. 23 Miaraka aminao no hanorotoroko ireo mpiandry ondry sy ireo ondry aman'osiny. Miaraka aminao no hanorotoroko ny mpiasa tany sy ireo tariny. Miaraka aminao no hanorotoroko ireo governora sy ireo manam-pahefana. 24 Fa eo imasonao no hamaliko an'i Babylona sy ireo mponin'i Kaldea nohon'ny amin'ireo haratsiana rehetra izay nataon'izy ireo tao Ziona—izany no fanambaran'i Yaveh. 25 Indro, manohitra anao Aho, ry tendrombohitry ny faharavana—izany no fanambaran'i Yaveh—izay mandrava ny tany manontolo. Haninjitra ny tanako hanohitra anao Aho ary hampikodiadia anao any amin'ireo hantsana, ary hanao anao ho tendrombohitra mirehitra Aho. 26 Ka tsy haka vato hanorenana zoron-trano sy fototra avy aminao izy ireo; fa ho lasa faharavana mandrakizay ianao_izany no fanambaran'i Yaveh. 27 Manangàna faneva manerana ny tany. Tsofy manerana ireo firenena ny anjomara. Antsoy ireo firenena hamely azy: Ararata, Miny ary Askenaza. Manendre mpibaiko hamely azy; mitondrà soavaly tahaka ireo valala voloina. 28 Vonony ireo firenena hamely azy: ny mpanjakan'i Mediana sy ireo governorany, ny manam-pahefany rehetra ary ireo tany rehetra izay eo ambanin'ny fahefany. 29 Fa hihorohoro sy ho ao anaty hirifiry ny tany, satria nitohy ny fikasan'i Yaveh hanohitra an'i Babylona, mba hahatonga ny tanin'i Babylona ho tany ngazana izay tsy misy mponina. 30 Efa nijanona nitolona ireo miaramilan'i Babylona; nijanona tao amin'ireo fiarovany mafy izy ireo. Lefy ny herin'izy ireo; lasa vehivavy izy ireo—mirehitra ny tranon'izy ireo, tapaka ireo hidim-bavahadiny. 31 Ny mpitondra hafatra mihazakazaka mba hanambara hafatra any amin'ny mpitondra hafatra iray hafa, ary ny mpihazakazaka iray miteny amin'ny mpihazakazaka iray hafa mba hitatitra any amin'ny mpanjakan'i Babylona fa ity tanàna ity dia efa voasambotra hatrany farany. 32 Ka azo ireo fiampitana eny ambonin'ny rano, mandoro ireo volotara amin'ny afo miheniheny ireo fahavalo, ary very hevitra ireo lehilahy mpiadin'i Babylona. 33 Fa Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, no miteny izao: tahaka ny famoloana ny zanaka vavin'ny Babylona. Fotoana hanosena azy izao. Ho avy aminy anaty fotoana fohy ny fotoam-pijinjana. 34 Nolevonin'i Nebokadnezara mpanjakan'ny Babylona aho; nitondra ahy amin'ny fahaverezan-kevitra izy. Ary nataony ho vilany foana aho, nanatelina ahy tahaka ny biby goavam-be izy; nameno ny kibony tamin'ny hanim-piako izy; nandroaka ahy izy. 35 Izay monina ao Ziona hiteny hoe: "Aoka ny herisetra natao ahy sy tamin'ny nofoko ho amin'i Babylona." Ary hoy Jerosalema hoe: "Aoka ny rako ho amin'ireo mponin'i Kaldea." 36 Koa izao no lazain'i Yaveh: "Handeha hisolo vava anao Aho ary hitondra valifaty ho anao. Fa ho ritiko ny ranon'i Babylona ary hanamaina ny loharanony Aho. 37 Fa ho lasa korontam-bato i Babylona, lavaka fieren'ny ambodia, horohoro, zavatra mampisiotsioka, izay tsy misy mponina. 38 Hierona miaraka tahaka ireo liona tanora ireo Babyloniana. Hierona toy ny zana-diona izy. Raha lasa anaty fitiavam-bola tafahoatra izy ireo, hanao 39 fihinanambe ho azy ireo Aho, hamamoiko izy ireo ka ho faly ary dia hatory anaty torimaso tsy mety tapitra ka tsy hifoha intsony—izany no fanambaran'i Yaveh— 40 Ho alefako hidina any amin'ny famonoana tahaka ireo zanak'ondry, tahaka ny omby aman'ondry miaraka amin'ireo osy izy ireo. 41 Endrey ny nahazoana an'i Babylona! Ka azo ny fideran'ny tany manontolo. Endrey fa tonga toerana ngazana eo amin'ireo firenena i Babylona. 42 Miakatra manerana an'i Babylona ny ranomasina! Voarakotrin'ireo onjany mierona izy. 43 Tonga faharavana ireo tananany, tany maina sy efitra, tany izay tsy misy monina, ary tsy handalovana na olona iray aza. 44 Ka ho faiziko ao Babylona i Bela; ho entiko hivoaka ny vavany izay nateliny ary ireo firenena dia tsy hikoriana aminy miaraka amin'ireo fanatitr'izy ireo. Hirodana ny mandan'i Babylona. 45 Mivoaha eo amin'ny afovoany, ry oloko. Aoka ny tsirairay samy hanavotra ny tenany amin'ny fahaviniran'ny fahatezerako. 46 Aza avela ho menatra ny fonareo na hatahotra ny vaovao izay heno ao amin'ilay tany, fa ho avy amin'ny taona iray ireo vaovao. Aorian'izany amin'ny taona manaraka ihany koa dia hisy vaovao, ary ny herisetra dia ho ao amin'ny tany. Mpanapaka hanohitra mpanapaka. 47 Koa, indro, tonga ny andro izay hanafaizako ireo sampy voasokitr'i Babylona. Ho menatra ireo taniny rehetra, ary ireo fatiny rehetra dia hianjera eo afovoany. 48 Ary ny lanitra sy ny tany, ary izay rehetra ao amin'izy ireo dia hifaly amin'ny Babylona. Fa ho avy aminy avy any avaratra ny mpandringana—izany no fanambaran'i Yaveh. 49 "Tahaka ny nampianjeran'i Babylona ny Israely voavono, no hianjeran'ireo voavono tao amin'ny taniny rehetra ao Babylona." 50 Ry sisa velona amin'ny sabatra, mandeana! Aza mijanona. Tsarovy avy eny alavitra i Yaveh; aoka hotsaroina i Jerosalema. 51 Menatra izahay, fa naheno ireo teny maloto; nandrakotra ny tavanay ny fanamelohana, fa niditra tao amin'ireo fitoerana Masin'ny tranon'i Yaveh ireo vahiny. 52 Koa, indro, tonga ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hanafaizako ireo sampy voasikony, dia hisento amin'ny taniny rehetra ny vahoaka maratra. 53 Fa na dia miakatra eny amin'ny lanitra aza i Babylona na manamafy ireo fiarovany mafy avo indrindra aza izy, dia ho avy aminy ireo mpandringana avy amiko—izany no fanambaran'i Yaveh. 54 Ny hiakan'ny fahoriana dia avy any Babylona, firodanana lehibe avy any amin'ny tanin'ireo Kaldeana. 55 Fa Yaveh dia mandrava an'i Babylona. Izy no mampitsahatra ireo fihorakorahana mafy. Mierona tahaka ireo onjan-drano ireo fahavalony; mihamafy ireo tabatabany. 56 Fa tonga hanohitra azy ny mpandringana—manohitra an'i Babylona! —ary ireo lehilahy mpiadiny dia efa voasambotra. Tapaka ireo tsipíkany, fa Yaveh no Andriamanitrin'ny famaliana; fa hitondra izany famaliana izany tokoa Izy. 57 Fa hataoko mamo ireo andriandahiny, ireo olo-kendriny, ireo manam-pahefany, ary ireo miaramilany, dia hatory anaty torimaso tsy misy fiafarany izy ireo ary tsy hifoha intsony—izao no fanambaran'ny mpanjaka: Yaveh Tompon'ny maro no anarany. 58 Yaveh Tompon'ny maro miteny izao: "Ho rava tanteraka ny manda matevin'i Babylona ary hodorana ireo vavahadiny avo. Dia ireo vahoaka izay tonga hanampy azy dia ho sasa-poana; ny zava-drehetra izay ezahin'ireo firenena atao ho azy dia hodorana." 59 Izao no teny izay nandidian'i Jeremia mpaminany an'i Seraia zanaka lahin'i Neria zanaka lahin'i Mahaseia rehefa nandeha ho any Babylona izy niaraka tamin'i Zedekia mpanjakan'ny Joda tamin'ny taona fahaefatra nanjakany. Fa tonga ho lehiben'ny manam-pahefana i Seraia. 60 Fa efa nanoratra ireo loza rehetra izay ho avy amin'i Babylona tao anaty horonan-taratasy i Jeremia—ireo teny rehetra izay voasoratra mahakasika an'i Babylona. 61 Niteny tamin'i Seraia i Jeremia hoe: "Rehefa mankany Babylona ianao, dia hahita sy hamaky mafy ireo teny ireo. 62 Dia hiteny ianao hoe: "Yaveh, Ianao mihintsy no nanambara fa ho ravainao ity toerana ity, ary tsy hisy olona na biby hiaina ao aminy, ary ho rava mandrakizay izy. 63 Dia rehefa vitanao ny famakiana io horonan-taratasy io, dia afatory amin'ny vato izany ary atsipazo eny afovoan'ireo Eofrata. 64 Lazao hoe: "Ho rendrika tahaka izany i Babylona. Tsy ho tafatsangana izy noho ireo loza izay alefako hanohitra azy, dia hianjera izy." Tapitra eto ny tenin'i Jeremia.
DH: "ny faharavana tsy hay sakanana"
Io dia anarana hafa an'i Babylona.
Ny fanaparitahana dia fanasarahana sy fandefasana eny amin'ny lalana rehetra eny.
DH: "rehefa rava izy"
"aza avela hanam-potoana hitifirana ireo mpandefa tsipíka"
DH: "Babylona dia firenena natanjaka nampiasaina tamin'ny fitsarana.
DH: "tsy afaka nisaina tsara"
Io dia tomanin'alahelo mafy, sady lava.
DH: "tena meloka tokoa i Babylona"
Efa nanasazy an'iro Israelita Yaveh tamin'ireo otany, fa ankehitriny kosa aoka izy ireo hiverina Aminy.
Ireo olona izay miaina eo amin'ny toerana voafaritra.
"dia faly sy manan-karena"
Ny fiainanareo dia ho faranana haingana.
"miaraka amin'ny miaramila maro an'isa"
Io dia hiaka izay ataon'ny miaramila rehefa any an'ady.
Io fehezaneny io dia mampitaha ny feon'i Yaveh amin'ny feo avoakan'ny kotro-baratra sy orana.
Ny trano fitehirizany dia toerana fasiana izay zavatra mbola ilaina ho amin'ny ho avy.
Io dia mampiseho ny fihetsem-pon'i Jeremia fa ireo olona izay mino ireo sampy dia tena adala!
DH: "lainga"
DH: "ny tafika Babyloniana"
DH: "ny tafika Babyloniana"
DH: "Ianareo Babyloniana dia hahita tokoa"
DH: "izay nolazain'i Yaveh"
Yaveh dia miresaka amin'i Babylona toy ny hoe tendrombohitra izay afaka resahiny toy ny olona. Fa ireo tendrombohitra matetika no fialofan'ireo jiolahy, tsy hanana izany eritreritra izany i Jeremia teto. DH: "firenena matanjaka"
Ny hantsana dia ilay hady manamorona ny sisin'ny tendrombohitra na havoana.
Saina lehibe arahin'ireo miaramila rehefa any an'ady. DH: "saina"
DH: "Babylona"
Ireo dia anarana firenena na vondron'olona.
Yaveh dia mampitaha ireo soavaly maro an'isa amin'ny valala voloina."
Yaveh dia nampanantena korontana lehibe izay hampihorohoro ny firenena manontolo. Ny "tany" eto dia manondro ny vahoakan'i Babylona niaina tany.
Ho ao anaty fahoriana lehibe i Babylona.
"ireo fahavalo dia efa nandresy ilay tanàna manontolo"
Ireo fahavalo dia nandray ny fifehezana ireo sampan-drano eny amin'ny toeran'ny ony.
Ny fiampitana dia ilay lalana kely eny amoron'ny ony izay azon'ny olona andehanana rehefa hiampita rano.
DH: "tsy afaka misaina mazava tsara"
Ny "zanaka vavin'ny Babylona" dia anarana iray hafa niantsonan'ireo mponin'i Babylona.
Yaveh dia mampitaha ny famoloana amin'ny fotoanan'ny fanerena lehibe eo amin'i Babylona.
Ny fijinjana dia vokatrin'ireo zavatra nataon'ireo olona tany aloha. Ho avy ny vokatrin'ireo otan'i Babylona. DH: "Ho saziana i Babylona"
Nalain'i Babylona ny zavatra rehetra an'Israely.
Jerosalema dia mampitaha ny faharaany amin'ny fitelomana.
Io dia mampitaha an'i Babylona amin'ny biby izay tena goavana.
Io dia manambara amin'ny fomba hafa ny hoe nalain'i Babylona dahaolo izay rehetra an'Israely. Ny "sakafo" dia manondro nyzavatra tsara rehetra tany teo aloha.
Ny zavatra tsy tian'i Babylona taorian'ny nangalany ny zavatra rehetra izay nariany toy ny fanariana hanina ao anaty vilany.
DH: "ireo mponina izay miaina ao Kaldea."
Io no manomboka ny famalian'i Yaveh ny fangatahan'i Jerosalema tao amin'ny andininy 34 sy 35.
Io dia manondro ireo trano lasa fako misavovona.
DH: "fipetrahan'ireo alikadia"
Zavara izay mampitahotra ny olona ny mijery azy. DH: "toerana tsy tsara hipetrahana"
Feo entina ampisehoana tsy fankatoavana.
Io dia feo mafy izay avokan'ny liona.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
Ireo fahavalon'i Babylona dia efa nandresy azy. Ny "onja" dia manondro ireo vondron'olona maro. Ny teny "rano" sy "ranomasina" matetika maneho ireo firenena.
DH: "tanànan'i Babylona"
Bela no andriamanitr'ireo Babyloniana ary nisolo-tena ny firenena iray manontolo sy ny vahoaka izay nidera azy.
Yaveh dia mampitaha ny sorona rehetra sy ny fanatitra ho an'i Bela ho toy ireo zavatra izay halany.
Yaveh dia mampitaha ireo firenena maro ho avy ao Babylona ho sorona ho an'i Bela amin'ny renirano izay manaraka ny halavany.
Ireo vaovao izay nihainoan'ny olona.
Ireo mpanapaka dia misolo-tena ireo firenena izay ambanin'ny fifehzan'izy ireo!
DH: "henoy"
DH: "ny mponin'i Babylona rehetra"
Eto ny lanitra sy ny tany dia noraisina toy ny hoe olona.
DH: "izao no nolazain'i Yaveh"
DH: "ireo olona novonoina"
Miresaka amin'ireo olona tao amin'ny andininy 50 i Jeremia.
DH: "teny mandratra"
mitaraina noho ny fanaintainana na alahelo
Ny "izy" dia manondro an'i Babylona. Io dia fomba fiteny fa sarotra ho an'i Babylona ny handositra ny fitsaran'i Yaveh.
Io dia fihevitra mitovy izay ambara amin'ny fomba roa samihafa mba ho fanamafisana.
Ny feon'ny fiavin'ireo fahavalo dia ho mafy dia mafy.
DH: "Nosamborin'izy ireo ny lehilahy mpiadiny
Ireo dia manondro an'i Babylona.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ireo biby ireo dia ireo izay miara-miaina amin'ny olona, satria ao amin'ny 51:36 dia manambara fa i Babylona dia nonenan'ireo ambodia sy bibidia.
DH: "Hanjavona i Babylona toy ny nanjavonan'ity vato."
1 Iraika amby roapolo taona i Zedekia raha nanomboka nanjaka; nanjaka iraika ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Hamotala no anaran-dreniny; izy dia zanaka vavin'i Jeremia avy any Libna. 2 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy; nanao izay rehetra efa nataon'i Joiakima izy. 3 Tamin'ny fahatezeran'i Yaveh, no nitrangan'ireo zavatra rehetra ireo tany Jerosalema sy Joda, ambara-pandroahany azy ireo tsy ho eo anoloany. Ary nikomy tamin'ny mpanjakan'i Babylona i Zedekia. 4 Ary tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia mpanjaka, tamin'ny volana fahafolo, ary tamin'ny andro fahafolon'ny volana, dia tonga niaraka tamin'ireo tafiny i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mba hanohitra an'i Jerosalema. Nitoby tandrifin'izany izy ireo, ary nanorina tilikambo nanodidina izany. 5 Koa dia natao fahirano ny tanàna hatramin'ny fahiraika ambin'ny folon'ny taona nanjakan'i Zedekia mpanjaka. 6 Tamin'ny volana fahefatra, tamin'ny andro fahasivy tamin'izany taona izany, dia nirongatra tao an-tanàna ny mosary fa tsy nisy sakafo ho an'ny mponin'ny tany. 7 Ary dia rava ny tanàna, ary ireo lehilahy mpiady rehetra dia nirifatra nandositra sy nivoaka ny tanàna ny alina teo amin'ny vavahady izay teo anelanelan'ny rindrina anankiroa, teo akaikin'ny zaridain'ny mpanjaka, na dia nanodidina ny tanàna aza ny Kaldeana. Dia nizotra nankany Araba izy ireo. 8 Kanefa nanenjika ny mpanjaka ireo tafiky ny Kaldeana ary nahatratra an'i Zedekia teo amin'ny tany hain'ny lohasahan'ny Ony Jordana izay akaikin'i Jeriko. Naparitaka niala teo aminy ireo tafiny rehetra. 9 Nosamborin'izy ireo ny mpanjaka ary nentiny niakatra tany amin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla tao amin'ny tany Hamata, izay nitsarany azy. 10 Namono ireo zanaka lahin'i Zedekia teo imasony ny mpanjakan'i Babylona, ary tany Ribla dia namono ireo mpitarika ny Joda rehetra ihany koa izy. 11 Ary nesoriny ny mason'i Zedekia, ka nofatorana tamin'ny rojo varahina izy, ary nentina tany Babylona. Nalefan'ny mpanjakan'i Babylona tany am-ponja izy ambara-pahafatiny. 12 Ary tamin'ny volana fahadimy, tamin'ny andro fahafolon'ny volana, izay fahasivy ambin'ny folo taona nanjakan'i Nebokadnezara mpanjaka, mpanjakan'i Babylona, dia tonga tany Jerosalema i Nebozaradana. Izy no mpifehy ireo mpiambina ny mpanjaka ary mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona. 13 Nandoro ny tranon'i Yaveh, ny lapan'ny mpanjaka, ary ireo tranon'i Jerosalema rehetra izy; ary nodorany ihany koa ny trano lehibe manan-danja rehetra. 14 Raha ny amin'ireo manda manodidina an'i Jerosalema, dia efa namotika azy ireo ny tafiky ny Babyloniana rehetra izay niaraka tamin'ny mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka. 15 Raha ny amin'ireo olona mahantra indrindra, ireo olona sisa tavela tao an-tanàna, ireo izay efa nandositra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo sisa tamin'ireo mpanao asa tanana_dia nataon'i Nebozaradana, ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka ho babo ny sasany tamin'izy ireo. 16 Fa i Nebozaradana, ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka, namela ny sasany tamin'ireo mahantra indrindra an'ilay tany mba hiasa ireo tanim-boaloboka sy ireo saha. 17 Raha ny amin'ireo andry varahina izay an'ny tranon'i Yaveh, sy ireo fitoeran-tavin-drano ary ireo tavin-drano varahina izay an'ny tranon'i Yaveh, dia nopotehin'ireo Kaldeana ary nentiny niverina tany Babylona avokoa ireo varahina rehetra. 18 Ireo vilany, angady, fanaovan-jiro, lovia, ary ireo kojakoja vita amin'ny varahina izay nanompoan'ireo mpisorona tao an-tempoly—dia nentin'ireo Kaldeana avokoa. 19 Ny tavy fanaovana lavenon-jiro sy ireo fandorana ditin-kazo manitra, ireo lovia, ireo vilany, ireo fitoeran-jiro, ireo lasitra, ireo tavin-drano izay vita tamin'ny volamena, sy ireo vita tamin'ny volafotsy—dia nentin'ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka ihany koa. 20 Ireo andry roa, ny tavin-drano, ary ireo omby varahina izay teo ambanin'ireo fitoeran-tavin-drano, zavatra izay namboarin'i Solomona ho an'ny tranon'i Yaveh, dia feno varahina maromaro izay nisinisy lanjany ihany. 21 Ireo andry dia samy valo ambin'ny folo hakiho avokoa ny haavony, ary ny tsipika manodidina azy ireo dia nirefy roa ambin'ny folo hakiho. Samy fanondro efatra ny hateviny ary samy poakat. 22 Kapitaly varahina no teo an-tendron'izany. Dimy hakiho no haavon'ilay kapitaly, miaraka amin'ny harato sy ampongabendanitra manodidina azy. Vita tamin'ny varahina daholo izany. Ilay andry iray hafa sy ny ampongabendaniny dia mitovy amin'ilay iray voalohany ihany. 23 Koa dia ampongabendanitra enina amby sivi-folo noho izany no teo ankilan'ilay kapitaly, ary ampongabendanitra zato no teo ambonin'ilay harato manodidina. 24 Ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka dia nisambotra an'i Seraia, ilay mpisoronabe, niaraka tamin'i Zefania, ilay mpisorona faharoa, ary ireo mpiandry vavahady telo. 25 Tao an-tanàna no nisamborany manam-pahefana iray izay nisahana ireo miaramila, sy lehilahy fito tamin'ireo izay nanolo-tsaina ny mpanjaka, izay mbola tao an-tanàna. Nisambotra ny manamboninahitry ny tafiky ny mpanjaka izay mpandrafitra ny tafika, miaraka tamin'ireo olona manan-kaja enimpolo avy amin'ny tany izay tao an-tanàna ihany koa izy. 26 Ary dia nalain'i Nebozaradana, ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka izy ireo ary nentiny tany amin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla. 27 Novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla tany amin'ny tanin'i Hamata izy ireo. Tamin'izany fomba izany, no nitondrana ny Joda ho babo niala tao amin'ny taniny. 28 Ireto no olona nobaboin'i Nebokadnezara: tamin'ny taona fahafito, Jiosy 3. 023. 29 Tamin'ny fahavalo ambin'ny folo taona nanjakan'i Nebokadnezara dia naka olona 832 avy tany Jerosalema izy. 30 Tamin'ny fahatelo amby roapolo taona nanjakan'i Nebokadnezara, dia nambabo vahoaka Jiosy 745 i Nebozaradana, ilay mpifehy ireo mpiambina ny mpanjaka. Miisa 4600 ny fitambaran'ireo babo rehetra. 31 Ary tamin'ny andro fahadimy amby roapolon'ny volana, tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo, tamin'ny faraparan'ny taona fahafito amby telopolo naha-babo an'i Jekonia, dia nanafaka an'i Joiakina mpanjakan'ny Joda tany am-ponja i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona. Tamin'ny fotoana nanombohan'i Evila-Merodaka nanjaka no nisehoan'izany. 32 Niresaka am-pahatsorana taminy izy ary nanome azy toerana ambony kokoa noho ireo mpanjaka hafa izay niaraka taminy tany Babylona. 33 Nanala ny fitafiana maha-voafonja an'i Joiakina i Evila-merodaka, ary nihinana tsy tapaka teo an-databatry ny mpanjaka tamin'ny andro sisa niainany i Joiakina, 34 ary nomena hanina ara-dalàna isan'andro izy tamin'ny andro sisa niainany ambara-pahafatiny.
Io dia anaram-behivavy.
Io dia anaran-toerana.
Io dia manondro lehilahy iray hafa nantsoina hoe Jeremia, fa tsy i Jeremia mpaminany izay nanoratra ity boky ity.
Io dia manondro an'i Zedekia.
Ity teny ity dia nampiasa eto mba hanamarihana fanombohana fizarana vaovao amin'ilay tantara.
Io dia volana fahafolo amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahafolo dia ny fiandohan'ny volana Janoary amin'ny tetiandro Tandrefana.
"Ny tafik'i Nebokadnezara dia nitoby tandrifin'i Jerosalema"
"mandra-pahatonga ny taona fahiraika ambin'ny folo"
Io dia ny volana fahefatra amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny vanim-potoana main-tany. Ny andro fahasivy dia manakaiky ny fiandohan'ny volana Jolay amin'ny tetiandro Tandrefana.
Io dia manondro ny tanànan'i Jerosalema.
Ireo Babyloniana dia nandrodana ny manda nanodidina ilay tanàna.
"tany fisaka"
Io dia tanàna.
DH: "teo anoloany"
Izany dia volana fahadimy amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny vanim-potoana main-tany. Ny andro fahafolo dia manakaiky ny fiandohan'ny volana Aogositra amin'ny tetiandro Tandrefana.
"nandritra ny sivy taona"
Izany no anaran'ilay lehilahy.
Io dia manondro ireo olona izay miaro ny ain'olona no asany.
Io dia manondro ireo olona izay manao zavatra tsara tarehy mba hiderana an'i Yaveh.
Izany no anaran'ilay lehilahy.
DH: "ny olona mahantra indrindra an'ilay tany"
Io dia sinin-drano nampiasaina tamin'ny fiderana an'i Yaveh.
Ny hakiho dia fandrefesana halavirana sy elanelana.
Izany dia midika fa ilay andry dia tsy misy na inona na inona tao anatin'izy ireo.
Io no tapany ambony amin'ilay andry.
Jereo ny fomba nandikanao izany anaran-dehilahy izany tao amin'ny 36:25.
Ny mpiandry vavahady dia olona miambina ny vavahadin'ny tanàna.
DH: "firotsahana miaramila"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 39:8.
Io dia anaran-tanàna.
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 39:8.
taona fahafito
Andro fahadimin'ny volana - Izany dia ny volana faharoa ambin'ny folo sady farany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahadimy amby roapolo dia manakaiky ny fisasahan'ny volana Martsa amin'ny tetiandro Tandrefana.
Io teny io dia nampiasaina teto mba hanamarihana fiantombohana fizarana vaovao amin'ny tantara.
Merodaka - Izy no lasa mpanjakan'i Babylona taorian'i Nebokadnezara. Ny anarany dia tsy mamaritra ny tenany, fa toy izany no fomba fanononana ny anarany.
DH: "Evila-Merodaka dia niresaka tamim-pahatsorana tamin'i Joiakima"
DH: "toerana teo amin'ny latabatra akaikin'izay nipetrahan'i Evila-Merodaka."
1 Ilay tanàna izay feno olona tamin'izany dia mitoetra irery ankehitriny. Lasa tahaka ny mpitondratena izy, na dia firenena nahery aza. Izy no andriambavy teo amin'ireo firenena, saingy noterena ho amin'ny fanandevozana ankehitriny. 2 Mitomany sy midradradradra izy amin'ny alina, ary mandrakotra ny takolany ireo ranomasony. Tsy nisy tamin'ireo tia azy mba nampionona azy. Namadika azy ny namany rehetra. Lasa fahavalony izy ireo. 3 Taorian'ny fahantrana sy fahoriana, dia nalefa ho sesitany i Joda. Miaina eo amin'ireo firenena izy ary tsy mahita fitsaharana. Ireo mpanenjika azy rehetra dia nanahatratra azy tao amin'ny fahakiviany. 4 Misaona ireo lalan'i Ziona satria tsy misy na iray aza tonga amin'ireo fanasana voatondro. Lao ny vavahadiny rehetra. Misento ireo mpisorony. Malahelo mafy ireo virijininy ary izy tenany dia ao anatin'ny fahoriana tanteraka. 5 Lasa tompony ireo fahavalony; niroborobo ireo fahavalony. Nampahorian'i Yaveh izy noho ireo fahotany maro. Ireo zanany kely dia lasan-ko babo any amin'ny fahavalony. 6 Niala tamin'ny zanakavavin'i Ziona ny hatsaran-tarehy. Lasa tahaka ny serfa izay tsy mahita ahitra ireo zanak'andriany, ary mandeha tsy misy hery eo anoloan'ny mpanenjika azy izy ireo. 7 Amin'ireo androm-pahoriany sy tsy hananany fialofana, dia hahatsiaro ireo harena sarobidy rehetra izay nananany tamin'ny androny fahiny i Jerosalema. Rehefa lavo teo an-tanan'ireo fahavalony ny olony, dia tsy nisy nanampy azy. Nahita azy ireo fahavalony ary niomehy tamin'ny faharavany. 8 Nanota be Jerosalema, noho izany, dia nalaim-baraka tahaka ny zavatra maloto izy. Ireo rehetra nanome voninahitra azy dia manao tsinontsinona azy ankehitriny hatramin'ny nahitan'izy ireo ny fitanjahany. Misento izy ary miezaka mihodina. 9 Tonga naloto tao ambany zipony izy. Tsy nihevitra ny ho aviny izy. Nahatsiravina ny fianjerany. Tsy nisy na iza na iza nankahery azy. Nitaraina izy hoe: "Jereo ny fahoriako, ry Yaveh, fa nanjary tena lehibe ny fahavalo. 10 Nametraka ny tanany teo amin'ireo harena sarobidy rehetra ny fahavalo. Efa nahita ireo firenena niditra tao amin'ny fitoerana masiny izy, na dia efa nobaikonao tsy hiditra ao amin'ny toeran'ny fiangonanao aza izy ireo. 11 Misento avokoa ireo olony rehetra raha nitady mofo izy ireo. Natakalo mofo ireo harena sarobidy mba hampiverina ny ain'izy ireo. Jereo, ry Yaveh, ka diniho aho, satria tonga zava-poana aho. 12 Tsy misy dikany aminareo ve, ianareo rehetra izay mandalo? Jereo ka aoka ho hitanao raha misy alahelon'olona tahaka ny alahelo izay mianjady amiko, hatrizay nampijalian'i Yaveh ahy tamin'ny andron'ny hasiakan'ny fahatezerany. 13 Avy any amin'ny avo no nandefasany ny afo tamin'ireo taolako, ary nahazo azy izany. Namelatra harato ho an'ny tongotro Izy ary nampiverina ahy. Nataony lao sy reraka foana aho. 14 Ny ziogan'ireo fandikan-dalàko dia niara-nafatony tamin'ny alalan'ny tanany. Nampifandraisina ireo ary napetraka teo an-tsoroko. Nandavo ny heriko izy. Nomen'ny Tompo ho eo an-tanan'izy ireo aho, ka tsy tafatsangana. 15 Nampisamboaravoara ireo lehilahy maheriko izay niaro ahy ny Tompo. Efa niantso ny fiangonana hanohitra ahy izy mba hamotika ireo lehilahiko matanjaka. Nanitsakitsaka ny zanakavavy virijinin'i Joda tao amin'ny famiazam-boaloboka ny Tompo. 16 Mitomany aho noho ireo zavatra ireo. Ny masoko, mikoriana amin'ny masoko ny rano satria lavitra ahy ireo mpankahery izay tokony hampitraka ny fiainako. Lao ireo zanako satria nandresy ny fahavalo. 17 Namelatra ny tanany i Ziona; tsy nisy na iza na iza nankahery azy. Nibaiko i Yaveh fa ireo izay manodidina an'i Jakoba dia tokony ho fahavalony. Zava-maloto amin'izy ireo i Jerosalema. 18 Marina i Yaveh, fa izaho no nikomy hanohitra ny didiny. Mihainoa, ianareo ry olona rehetra, ary jereo ny alaheloko. Lasan-ko babo ireo virijiniko sy ireo olo-maheriko. 19 Miantso ireo namako aho, nefa namitaka ahy izy ireo. Maty tao an-tanàna ireo mpisoroko sy ireo loholoko, raha nitady sakafo hampody ny ainy izy ireo. 20 Indro, ry Yaveh, fa ao anaty fahoriana aho, ary mangotika ny vavoniko, torotoro ao anatiko ny foko, satria tena nikomy tokoa aho. Eny ivelany, dia mampahory ny reny ny sabatra, tsy misy afa-tsy fahafatesana ao an-trano. 21 Nandre ny fitarainako izy ireo, nefa tsy nisy nankahery ahy. Nandre ny fahoriako ireo fahavaloko rehetra ary faly izy ireo fa vitanao izany. Efa nitondra ny andro nampanantenainao Ianao; ary aoka izy ireo ho lasa tahaka ahy ankehitriny. 22 Aoka ny faharatsian'izy ireo rehetra ho tonga eo anoloanao. Ataovy tahaka ny nanaovanao ahy noho ireo fahotako rehetra izy ireo. Maro ny fitarainako ka reraka ny foko.
Soratan'ny mpanoratra ny Fitomaniana toy ny hoe vehivavy ny tanànan'i Jerosalema.
Io andianteny io dia mampitaha an'i Jerosalema amin'ny vehivavy izay tsy misy fiarovana satria maty ny vadiny.
DH: "Nanome voninahitra an'i Jerosalema tahaka ny nanomezan'izy ireo voninahitra ny zanaka vavin'ny mpanjaka ireo firenena hafa"
DH: "noterena mba ho lasa andevo"
Soritsoritan'ny mpanoratra toy ny olombelona manana fihetseham-po i Jerosalema. Ny tanàna ihany koa dia midika hoe ireo mponina ao aminy. DH: "Mitomany sy midradradradra ireo izay monina ao aminy."
Ny teny hoe "midradradradra" dia manondro ny feo izany ataon'ny olona rehefa "mitomany" mafy izy ireo. DH: "mitomany mafy."
DH: "nalefa tany amin'ny tany vahiny ny vahoakan'i Joda"
Izy dia fanjakan'i Joda izay nosoritsoritana tahaka ny vehivavy. Izy ihany koa dia manondro ireo olom-pirenen'i Joda.
DH: "matahotra lalandava"
DH: "Ny olona rehetra izay nitady azy dia niezaka ny hambabo azy" na "Ny olona rehetra izay nihaza azy dia nahita azy"
DH: "rehefa kivy izy"
Resahin'ny mpanoratra toy ny olombelona ireo lalana izay mitondra mankamin'ny fisaonan'i Ziona.
"ireo lanonana izay nolazain'Andriamanitra azy ireo mba hankalazaina"
Ny hoe "-ny" dia manondro an'i Ziona.
"dia mangidy" na "dia namoy fo"
"nanapaka azy ireo fahavalon'i Ziona"
"lasa manan-karena ireo fahavalony" na "lasa lehibe ireo fahavalony"
Io dia anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoakany tamin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejin'ny fandikana ny Teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba handikana izany.
DH: "Simba ny zavatra rehetra izay tsara momba ny zanaka vavin'i Ziona"
Io dia anarana ara-kanto ho an'i Jerosalema, izay resahina toy ny ho vehivavy eto.
Ireo andriandahy dia ampitahaina amin'ny serfa izay tsy manan-ko hanina.
Ny serfa dia biby antonona, mihinam-bilona izay hazain'ny olona matetika mba hatao sakafo. Io ihany koa dia biby mahafinaritra jerena.
DH: "nefa tsy dia matanjaka mba handositra ny"
DH: "ny olona izay manenjika azy ireo"
DH: "nandritra ny fahoriany sy ny tsy fananany fialofana" na "Fony ory sy tsy nanan-kialofana i Jerosalema"
DH: "Ho tadidin'i Jerosalema"
"fananana"
DH: "tamin'ny taloha" na "talohan'ny nitrangan'izany loza izany"
Eto ny teny hoe "tanana" dia manondro ny tafiky ny fahavalo. DH: "Rehefa nandresy sy nahababo ny vahoakany ny fahavalo"
"tsy nisy mpanampy azy"
Io dia midika fa faly izy ireo ary naneso an'i Jerosalema rehefa rava izany.
DH: "satria rava izy" na "raha nandrava azy izy ireo"
Io dia manoritsoritra an'i Jerosalema toy ny olona izay nanota, raha midika hoe ireo mponin'i Jerosalema izany.
Araka ny lalàn'ny Testamenta Taloha, dia maloto araka ny fomba mandritra ny fadim-bolany ny vehivavy. "Nahatonga azy ho maloto sy tsy madio ireo fahotan'i Jerosalema, ary tsy nekena teo anatrehan'Andriamanitra izy noho izany."
Soritsoritana tahaka ny vehivavy izay mideradera amin'ny olona rehetra ny faritra saropady mba hamenatra azy. DH: "ny mitanjaka"
DH: "Nahatalanjona ny fianjerany" na "gaga ireo izay nahita ny faharavany"
Ireo mety ho heviny dia 1) miresaka mivantana amin'i Yaveh ny mpanoratra ny Fitomaniana izao na 2) Soritsoritana toy ny hoe miresaka amin'i Yaveh tahaka ny olona i Jerosalema.
DH: "Henoy"
DH: "naka ny" na "nangalatra"
"fananana"
Ny teny hoe "izy" dia manondro an'i Jerosalema.
Ny hoe "-nao" dia manondro an'i Yaveh. Midika izany fa mbola miteny ilay mpanoratra na ilay tanàna, rehefa avy nanomboka tao amin'ny 1:8.
Ny hoe "-ny" dia manondro an'i Jerosalema izay nosoritsoritana toy ny vehivavy. DH: "ny mponiny" na "ny olon'ny tanàna" (UDB)
"fananana"
DH: "mba hanavotana ny ain'izy ireo" na "mba hamerenana ny herin'izy ireo"
Eto dia manomboka miresaka mivantana amin'i Yaveh i Jerosalema.
Io dia fiampangana ny olona izay nandalo an'i Jerosalema ary tsy niraharaha izany. Misy endrika fanontaniana fampisainana izany mba hibedesana mafy azy ireo. DH: "Ianareo rehetra izay nandalo dia tokony niraharaha kokoa ny fahoriako!"
Eto dia mbola manohy miteny i Jerosalema, fa amin'ny olona izay mandalo anefa.
Ny ambadik'izany eto dia hoe tsy misy olon-kafa mijaly mihoatra izany.
Ireo teny roa ireo dia misy heviny iray ihany. Fa ireo dia miaraka mba hanasana ny mpamaky mba hahatakatra raha mahita fa tsy misy mijaly mafy tahaka izany.
DH: "ny alahelo izay nampahorian'i Yaveh ahy"
DH: "rehefa tezitra indrindra Izy"
Amin'ity andalana ity ny hoe "-ny' dia manondro an'Andriamanitra ary ny hoe "-ko" dia an'i Jerosalema, izay mbola miresaka amin'olon-kafa toy ny hoe olona izy.
DH: "efa nandefa sazy maharary tao anatiko, ary namotika ahy izany" na "efa nandefa sazy manimba teo afovoan'i Jerosalema, ka nandrava ny tanàna izany"
DH: "namela ireo fahavaloko handresy ahy"
Amin'ity fizarana ity dia mbola soritsoritana tahaka ny vehivavy miresaka ny momba azy i Jerosalema.
"ireo miaramila matanjaka indrindra"
Eto dia resahina toy ny hoe fihaonan'ny olona izay niara-tonga mba hiampanga sy hanameloka olona ny fanafihan'ny tafika fahavalo an'i Jerosalema. DH: "tafika"
lehilahy izay tao amin'ny fotoan'ny fahatanjahany tamin'ny fiainan'izy ireo
Eto ny fitsaran'Andriamanitra dia soritsoritana toy ny hoe voaloboka izay nohitsakitsahina mba hamiazana ranom-boankazo i Jerosalema.
Io dia anarana ara-kanto ho an'i Jerosalema, izay resahina toy ny hoe vehivavy eto. Ny teny hoe "virijiny" dia milaza fa madio izany vehivavy izany.
Io dia mbola i Jerosalema resahina toy ny vehivavy ihany, ary izao dia manana fihetseham-po malahelo.
Tahaka ny olona izay manandratra ny tanany ambony mba hitady vonjy i Ziona. Eto dia tsy miresaka ny tenany intsony i Jerosalema, fa ny mpanoratra no manoritsoritra an'i Jerosalema.
DH: "ny olona manodidina an'i Jakoba" na "ireo firenena manodidina an'i Jakoba"
Eto ny hoe "-ny" dia manondro an'i Jakoba.
Eto dia manomboka miteny indray i Jerosalema, toy ny hoe vehivavy izany.
DH: "jereo ny alaheloko tafahoatra"
DH: "betsaka tamin'ny vahoakako"
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:15.
DH: "namadika ahy izy ireo"
DH: "mba hanavotra ny ain'izy ireo" na "mba hamerina ny herin'izy ireo"
Mbola resahin'i Jerosalema toy ny hoe vehivavy ihany ny tenany, fa izao kosa dia miresaka mivantana amin'i Yaveh izy.
Ny teny hoe "mangotika" dia midika hoe mihodikondina mafy, amin'ny fihodinana ara-dalana. Tsy midika ara-bakiteny izany, fa izany no tsapany.
DH: "marary ny foko" na "malahelo loatra aho"
Ireo sabatra dia hilazana ny fahavalo, ary ny "mampahory" dia midika hoe "mamono". DH: "mamono ireo fahavalo"
Ireo mety ho heviny dia 1) ao an-trano, dia maty avokoa ny olon-drehetra na 2) toy ny fasana ny trano.
Manohy miresaka toy ny olona i Jerosalema.
Eto ny hoe "-nao" dia manondro an'i Yaveh.
1 Nanarona ny zanakavavin'i Ziona tao ambanin'ny rahon'ny fahatezerany ny Tompo. Nariany avy eny an-danitra tamin'ny tany ny famirapiratan'Israely. Tsy nahatsiaro ny fitoeran-tongony Izy tamin'ny andron'ny fahatezerany. 2 Efa nitelina sy tsy nanana antra tamin'ny tanàn'i Jakoba rehetra ny Tompo. Tamin'ny andron'ny fahatezerany no nandravany ireo tanàna mimandan'ny zanakavavin'i Joda; tamin'ny fahafaham-baraka no nanjerany ny fanjakana sy ireo mpanapany tamin'ny tany. 3 Tamin'ny fahatezerana mafy no nanapahany ny tandrok'Israely rehetra. Nalàny teo anoloan'ny fahavalony ny tanany ankavanana. Nodorany tahaka ny afo midedadeda izay mandrapaka ny zava-drehetra manodidina azy i Jakoba. 4 Tahaka ny fahavalo no nanenjanany ny tsipìkany tamintsika, vonona ny hitifitra ny ankavanany. Novonoiny ireo rehetra izay tena nankasitraka Azy tao amin'ny lain'ny zanakavavin'i Ziona; narotsany tahaka ny afo ny hatezerany. 5 Nanjary toy ny fahavalo ny Tompo. Nateliny i Israely. Nateliny avokoa ny lapany rehetra. Efa noravany ireo fiarovany mafy. Nampitomboiny ny fisaonana sy ny fitomaniana teo amin'ny zanaka vavin'i Joda. 6 Namely ny tabernakeliny tahaka ny trano bongo an-jaridaina Izy. Noravany ny fitoeran'ny fiangonana manetriketrika. Efa nampanadino ny fiangonana manetriketrika sy ny Sabata tao Ziona i Yaveh, fa efa nataony tsinontsinona tamin'ny tsy fahamendrehan'ny fahatezerany ny mpanjaka sy ny mpisorona. 7 Nanary ny alitarany ny Tompo ary nandà ny fitoerany masina. Nomeny teo an-tanan'ny fahavalo ny mandan'ireo lapany. Nanandratra hiaka tao an-tranon'i Yaveh, toy ny amin'ny androm-panasana voatondro izy ireo. 8 Nanapan-kevitra ny hanimba ny mandan'ny tanànan'ny zanakavavin'i Ziona i Yaveh. Nenjaniny ny tady fandrefesana ary tsy nihazona ny tanany tsy handrava ny manda Izy. Nampitomany ny tovon-tany sy ny manda Izy; niara-nirodana ireo. 9 Nianjera tamin'ny tany ireo vavahadiny; narodany sy novakiany ny hidin'ireo vavahadiny. Ny mpanjakany sy ireo andriany dia teo amin'ireo firenena, tsy nisy intsony ny lalàna tsy nahita fahitana avy tamin'i Yaveh ireo mpaminaniny. 10 Nipetraka tamim-pahanginana tamin'ny tany ireo loholon'ny zanakavavin'i Ziona. Nanipy vovoka teo an-dohany izy ireo ary nanao lamba fisaonana. Nanondrika ny lohany tamin'ny tany ireo virijinin'i Jerosalema. 11 Pahin'ny ranomaso avy aminy ireo ny masoko; mangotika ny vavoniko; niraraka tamin'ny tany ny tao anatiko nohon'ny faharinganan'ny zanaka vavin'ny oloko, ny faharerahan'ireo ankizy sy ny zaza eny amin'ireo lalan'ny tanàna. 12 Hoy izy ireo amin'ny reniny: "Aiza ny vary sy ny divay?" raha reraka tahaka ny olona maratra eny amin'ny lalan'ny tanàna izy ireo, niraraka teny an-tratran'ireo reniny ny ain'izy ireo. 13 Inona no azoko lazaina aminao, ry zanakavavin'i Jerosalema? Amin'ny inona ianao no ampitahaiko, mba ahafahako mampionona anao, ry zanaka vavy virijinin'i Ziona? Ny ratranao dia lehibe tahaka ny ranomasina. Iza no afaka hanasitrana anao? 14 Efa nahita fahitana diso sy tsy mendrika ho anao ireo mpaminaninao. Tsy nampiharihary ny helokao mba hamerenana ny harenao izy ireo, fa nanome teny diso sy mamitaka ho anao izy ireo. 15 Ireo rehetra izay mandalo eny an-dalana dia miteha-tanana anao. Misitrisitra sy mihifikifi-doha amin'ny zanakavavin'i Jerosalema izy ireo sady miteny hoe: "Fa tsy ity ve ilay tanàna izay nantsoin'izy ireo hoe 'Ilay fahatsarana tonga lafatra,' 'Ilay Fifaliana ho an'ny tany rehetra'?" 16 Manoka-bava sy maneso anao ny fahavalonao rehetra. Manao fihomehy maneso sy mihidy vazana izy ireo sady miteny hoe: "Efa natelinay izy! Ity ilay fotoana efa nandrasanay! Niaina mba hijery izany izahay!" 17 Nataon'i Yaveh izay nokasainy atao. Nanatanteraka ny teniny Izy. Noravainy tsy nisy hantra ianao, fa nanome alalana ny fahavalo mba hifaly eo aminao Izy; nasandrany ny tandrok'ireo fahavalonao. 18 Nitaraina tamin'ny Tompo ny fon'izy ireo, dia ireo mandan'ny zanakavavin'i Ziona! Arotsaho tahaka ny renirano andro aman'alina ny ranomasonao. Aza manome fitsaharana ho an'ny tenanao, fitsaharana ho an'ny masonao. 19 Mifohaza, mitalahoa amin'ny alina, dia amin'ny fiandohan'ny fiambenana alina! Araraho tahaka ny rano eo anatrehan'ny tavan'ny Tompo ny fonao. Asandrato ho Azy ny tananao ho an'ny ain'ireo zanakao izay reraky ny hanoanana eo an-joron-dalana rehetra." 20 Jereo, ry Yaveh, ka hevero ireo izay nanao izany fomba izany. Moa ve tokony hihinana ny naloaky ny kibony ireo vehivavy, dia ireo zanaka izay nokarakarainy? Moa ve tokony ho vonoina ao amin'ny fitoerana masin'ny Tompo ny mpisorona sy ny mpaminany? 21 Samy mandry eo amin'ny vovok'ireo lalana ny tanora sy ny antitra. Lavon'ny sabatra ireo tovovaviko sy ireo tovolahiko; novonoinao tsy misy hantra izy ireo. 22 Nantsoinao, tahaka ny niantsoanao ny olona ho amin'ny andro firavoravoana, nanodidina ahy rehetra ny horohoroko, tamin'ny andron'ny fahatezeran'i Yaveh dia tsy nisy afa-nandositra na tafavoaka velona; ireo izay efa nokarakaraiko sy nobeaziko, dia noringanin'ny fahavaloko.
Manomboka ny tononkalo vaovao. Mampiasa fomba maro samihafa ny mpanoratra ny Fitomaniana mba hilazana fa nahavery ny fahasoavan'Andriamanitra ny vahoakan'Israely.
Ireo mety ho heviny dia 1) Mandrahona ny hanisy ratsy ny vahoakan'i Jerosalema Andriamanitra na 2) Efa nanisy ratsy ny vahoaka Andriamanitra
Io dia anarana ara-kanto ho an'i Jerosalema, izay resahina toy ny hoe vehivavy eto.
"Efa very ny fahasoavana rehetra tamin'ny Tompo i Jerosalema"
"tsy niraharaha", "tsy nitandrina ny"
Eto ny hoe "fitoeran-tongotra" dia manambara ny toerana izay niasan'Andriamanitra tamin-katsaram-panahy mba ho eo. Ireto mety ho tondroiny eto dia 1) "ny tanàn'i Jerosalema malalany" na 2) "ny fanekeny tamin'ny Israely."
fe-potoana amin'ny ankapobeny, fa tsy ny andro 24 ora. DH: "tamin'ny fotoana nanehoany ny hatezerany"
"nandrava tanteraka" tahaka ny biby tsy mamela na inona na inona rehefa mitelin-tsakafo
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo tanàna mimanda manerana an'i Joda, na 2) ireo manda mafin'i Jerosalema.
Manohy ny fampiasana sarinteny mba hilazana ny fanoheran'Andriamanitra an'i Joda ny mpanoratra.
Eto ny hoe "tandroka" (izany dia, tandroka biby) dia midika hoe "hery."
"nitsahatra niaro anay tamin'ireo fahavalonay"
Tsy maintsy manenjana ny tsipìkany ny miaramila mba hitifirana izany. DH: "Efa novononiny ny tsipìkany mba hitifirana antsika"
DH: "ireo tranon'ny olona tany Jerosalema"
Io dia anarana ara-kanto ho an'i Jerosalema, izay resahina toy ny hoe vehivavy eto.
"naneho ny hatezerany tamin'ny fandravana ny zavatra rehetra tahaka ny olona mandrehitra afo"
Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 2:1.
DH: "Efa nampitombo hatrany ny olona hisaona sy hitomany Izy"
Io dia anarana ara-kanto ho an'i Jerosalema, izay resahina toy ny hoe vehivavy eto.
trano tena kely hametrahana ireo fitaovam-pambolena na hampialofana ny olona izay miambina ny zaridaina
DH: "nahatonga ny vahoakan'i Ziona hanadino ny fiangonana manetriketrika sy ny Sabata"
"Nihodina...tamin'ny fahavalo"
Eto ny hoe "-ny" dia mety manondro an'i Jerosalema na ny tempoly. Ireo mety ho dikan-teny dia 1) "ny mandan'ireo lapan'i Jerosalema" na 2) "ireo mandan'ny tempoly."
Io dia fampitahana maneso eo amin'ny fifaliana, sy ny fankalazana mitabataban'ny Israely sy ny hiaka mafin'ny fandresen'ireo Babyloniana.
Io dia anarana ara-kanto ho an'i Jerosalema, izay resahina toy ny hoe vehivavy eto.
DH: "Norefesiny ny halavan'ny manda" mba hahafantarany tsara hoe firy no horavana
DH: "Nandrava tamin'ny fampiasana ny heriny rehetra Izy"
"nihazona ny tanany ho Azy"
"Satria efa nandrava ireo tovon-tany sy ireo manda Izy, dia toy ny olona izay mitomany sy lany hery ireo"
Ireo tanàna fahiny dia misy "manda" lehibe mba tsy ho tafiditra ireo mpanafika, ary ny faritry ny "tovon-tany" ivelany dia mba tsy hahatongavan'ireo mpanafika eo amin'ny manda.
Io dia anarana ara-kanto ho an'i Jerosalema, izay resahina toy ny hoe vehivavy eto.
mba hanehoana fa misaona izy ireo
Nivadika nanoritsoritra izay niainany manokana ny mpanoratra fa tsy nanoritsoritra an'i Jerosalema.
DH: "Nitomany mandra-pahatsy nahavitako nitomany intsony aho"
DH: " ao anaty alahelo ny anatiko manontolo"
"ny zanaka vavin'ny oloko" dia anarana ara-kanto ho an'i Jerosalema, izay resahina toy ny hoe vehivavy eto. DH: "satria potika ny vahoakako"
Ny andianteny hoe "vary sy divay" dia fomba iraisana ilazana ny hoe "sakafo sy divay." DH: "Omeo zavatra hohanina sy hosotroina izahay."
Manomboka miteny amin'i Jerosalema ny mpanoratra.
"Tsy misy zavatra azoko ambara...Jerosalema."
Io dia anarana ara-kanto ho an'i Jerosalema, izay resahina toy ny hoe vehivavy eto.
"Tsy misy zavatra izay azoko ampitahana anao...Ziona."
"Tsy misy afaka manasitrana anao."
fomba izay hihomehezan'ny olona ny hafa sy hanesoany azy ireo
Io dia anarana ara-kanto ho an'i Jerosalema, izay resahina toy ny hoe vehivavy eto.
Io fanontaniana io dia nampiasaina mba hanesoana. "Ity tanàna izay antsoina hoe 'Ilay fahatsarana tonga lafatra', 'Ilay Fifaliana ho an'ny tany rehetra' ity dia tsy tsara sy tsy hafaliana intsony!"
"noravanay tanteraka i Jerosalema" tahaka ny biby mitelina ny sakafony
Eto ny hoe "tandroka" (izany dia, tandroka biby) dia midika hoe hery matetika. DH: "nampitombo ny herin'ireo fahavalonao Izy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "Nihiaka tamin'ny tao anatiny indrindra ny vahoakan'i Jerosalema" na 2) tian'ilay niteny hihiaka ho an'i Yaveh ireo manda.
Miresaka amin'ireo mandan'i Jerosalema ny mpanoratra. Tiany hanao izay lazainy mba hataon'ireo manda ny vahoakan'i Jerosalema.
Io dia anarana ara-kanto ho an'i Jerosalema, izay resahina toy ny hoe vehivavy eto.
"Mitomania be"
"amin'ny fotoana rehetra"
"Aza avela hitsahatra ny tenanao"
"fotoana maaro mandritra ny alina" izany dia, ny fotoana rehetra hiasan'ny mpiambina
Io dia fihetsika tanterahina matetika rehefa mivavaka.
"izay ihaonan'ny lalana rehetra" na "eo amoron-dalana"
DH: "Tokony tsy hihinana ireo zanany ihany ny vehivavy...nokarakaraina!"
"zaza izay mbola tanora"
ireo olon-dehibe malemy sy mahery indrindra
"ireo mpanafika izay atahorako"
"toy ny hoe nankany amin'ny lanonana izy ireo"
1 Izaho dia olona izay nahita fahoriana teo ambanin'ny tsorakazon'ny fahatezeran'i Yaveh. 2 Notarihany sy nampandehanany tamin'ny maizina aho fa tsy tamin'ny mazava. 3 Azo antoka fa namadika ny tanany hanohitra ahy foana Izy, nandritry ny tontolo andro. 4 Nataony malazo ny nofoko sy ny hoditro; notapahany ireo taolako. 5 Nanangana fahirano hanohitra ahy Izy, ary nohodidininy zava-mangidy sy zava-tsarotra aho. 6 Nametraka ahy tao amin'ireo toerana maizina, toy ireo izay efa maty efa ela Izy. 7 Nanangana manda nanodidina ahy Izy ka tsy afaka nitsoaka Aho. Nataony mavesatra ireo rojoko 8 ary na dia miantso mafy sy miantso vonjy aza aho, dia ampangininy ny fivavako. 9 Nobahanany tamin'ny manda vita tamin'ny vato voapaika ny lalako; nataony ho meloka ny lalako. 10 Tahaka ny bera miandry hanafika ahy tampoka Izy, liona ao amin'ny fiafenany; 11 naviliny ny lalako, nataony nitoka-monina aho. 12 Nanenjana ny tsipìkany Izy ary nametraka ahy toy ny kendrin'ny zana-tsipìkany. 13 Nandefona ny voako tamin'ireo zana-tsipìkany tao amin'ny fitoeran'izany Izy. 14 Lasa tahirim-pihomehezana ho an'ny oloko rehetra aho, zavatry ny fanesoan'izy ireo tontolo andro. 15 Nofenoiny fahangidiana aho ary notereny hisotro zava-mahafaty. 16 Notorotoroiny tamin'ny sila-bato ny nifiko; natosiny tao anaty vovoka aho. 17 Nesorina tamin'ny fiadanana ny fanahiko; adinoko ny atao hoe hafaliana. 18 Ka dia hoy aho hoe: "Levona ny faharetako ary toy izany koa ny fanantenako amin'i Yaveh." 19 Tsarovy ny fahoriako sy ny firenireniko, ilay zava-mahafaty sy zava-mangidy. 20 Tsaroko foana izany ary mitanondrika ao anatiko aho. 21 Fa tsaroako izany ka dia manana fanantenana aho. 22 Ny fitiavana tsy miovan'i Yaveh dia tsy misy fitsaharana ary tsy misy fiafarany ny fangoraham-pony, 23 vaovao isa-maraina ireo; lehibe ny fahatokianao. 24 "Yaveh no lovako," hoy aho, noho izany dia hanantena Azy aho. 25 Yaveh dia tsara ho an'ireo izay miandry Azy, ho an'ireo izay mitady Azy. 26 Tsara ny miandry amim-pahanginana ny famonjen'i Yaveh. 27 Tsara ho an'ny olona ny hitondrany ny zioga tamin'ny fahatanoràny. 28 Aoka izy hipetraka irery amim-pahanginana, rehefa apetraka eo aminy izany. 29 Aoka izy hametraka ny vavany eny amin'ny vovoka—angamba hisy ny fanantenana. 30 Aoka izy hanome ny takolany an'izay mamely azy, ary aoka ho feno fahafaham-baraka izy. 31 Fa tsy handà antsika mandrakizay ny Tompo, 32 fa na dia mahatonga alahelo aza Izy, dia hanana fangoraham-po araka ny habetsaky ny fitiavany tsy mivadika. 33 Satria tsy mampahory ny ao am-pony na mampijaly ireo zanak'olombelona Izy. 34 Ny manitsakitsaka ireo voafonja rehetra eto an-tany, 35 ny mandà ny rariny ho an'ny olona eo anatrehan'ilay Avo Indrindra, 36 ny mandà ny rariny ho an'ny olona iray— dia tsy eken'ny Tompo ny zavatra tahaka izany! 37 Iza no niteny ka nitranga izany, raha tsy hoe nanaiky izany Yaveh? 38 Moa tsy avy amin'ny vavan'ilay Avo Indrindra ve no hiavian'ireo loza sy ny tsara? 39 Ahoana no hitarainan'ny olona velona rehetra? Ahoana no hahafahan'ny olona mitaraina momban'ny sazin'ireo fahotany? 40 Andeha isika handinika ireo lalantsika ary hitsapa azy ireo, ary andeha isika hiverina any amin'i Yaveh. 41 Andeha isika hanandratra ny fontsika sy ny tanantsika amin'Andriamanitra any an-danitra hoe: 42 "Nandika sy nikomy izahay, ary tsy namela heloka Ianao. 43 Nandrakotra ny tenanao tamin'ny hatezerana Ianao ary nanenjika anay, namono Ianao ary tsy namindra fo. 44 Nandrakotra ny tenanao tamin'ny rahona Ianao mba tsy hisy vavaka afaka ho tafiditra. 45 Nataonao toy ny lo maloto sy nolavina teo amin'ireo firenena izahay. 46 Manozona anay ireo fahavalonay rehetra, 47 tonga taminay ny tahotra sy ny fandrika, ny faharavana sy fahapotehana. 48 Mikoriana rian-dranomaso ireo masoko satria rava ny oloko. 49 Handrotsa-dranomaso tsy misy fitsaharana, tsy misy fihatoana ireo masoko, 50 mandra-pijeriny ambany ka hahita avy eny an-danitra Yaveh. 51 Miteraka alahelo ho ahy ny masoko noho ireo zanakavavin'ny tanànako rehetra. 52 Nohazain'ireo fahavaloko toy ny vorona aho; nohazain'izy ireo tamin'ny tsy misy antony aho. 53 Natsipin'izy ireo tao anaty lavaka aho ary notorahan'izy ireo vato, 54 ary norarahana rano ny lohako. Hoy aho hoe: "ho faty aho!" 55 Niantso ny anaranao, avy ao amin'ny halalin'ny lavaka aho, ry Yaveh. 56 Renao ny feoko rehefa niteny aho hoe: "Aza manampina ny sofinao amin'ny antso vonjiko." 57 Nanakaiky Ianao tamin'ny andro niantsoko Anao; hoy Ianao hoe: "Aza matahotra." 58 Tompo o, niaro ny adiko Ianao, nanavotra ny aiko Ianao! 59 Ry Yaveh, hitanao ny ratsy nataon'izy ireo tamiko; tsarao ny adiko. 60 Hitanao ny faniratsiran'izy ireo, ny teti-dratsy rehetra nataon'izy ireo tamiko— 61 renao ny latsan'izy ireo, ry Yaveh, sy ny tetik'izy ireo rehetra tamiko. 62 Ny molotr'ireo izay mitsangana manohitra ahy, sy ny fiampangan'izy ireo, dia tonga mandritry ny tontolo andro. 63 Jereo ny fomba fipetrak'izy ireo sy fitsanganany avy eo; maneso ahy amin'ny hirany izy ireo. 64 Valio arak'izay nataony izy ireo, ry Yaveh. 65 Ho ataonao tsy menatra ny fon'izy ireo! Ho eo amin'izy ireo anie ny fanamelohanao! 66 Manenjika azy ireo amin-katezerana Ianao ary mamotika azy ireo avy ao ambanin'ny lanitra, ry Yaveh!
Manomboka ny tononkalo vaovao
Ny tsorakazo dia tapa-kazo izay nampiasain'ny olona mba hikapohana sy hamaizana olona. DH: "Satria nikapoka tamim-pahatezerana ahy i Yaveh."
Io dia midika hoe miaina ao anatin'ny fifanjevoana sy aizim-pito.
DH: "lasa fahavaloko Izy" na "mampiasa ny heriny mba hamaizana ahy Izy"
Ny asa fahirano dia tovon-tany maloto izay ahafahan'ny tafika mpanafika hihoatra ny mandan'ny tanàna sy hitsoaka hiala ao amin'ny tanàna. DH: "Nohididininy toy ny hoe tanàna voatafika aho."
DH: "nohididininy zavatra izay maharary sy tsy zaka aho"
DH: "mandà ny hihaino ny fivavako Izy"
"tsy navelany hitsoaka Azy aho"
vato izay notapahan'ny olona amin'ny habeny mahazatra izay mitazona ny manda hiaraka sy ho mafy
Ireo mety ho heviny dia 1) "ka tsy afaka handeha ho aiza" na 2) "tsy nitondra nankaiza ny lalana rehetra nandehanako"
Ireo mety ho heviny dia 1) "notarihiny hiala amin'ny lalana aho" na 2) "nataony nivily any amin'ny tsy izy ny lalako"
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:3.
kitapo ao an-damosina izay hametrahana ireo zana-tsipìka
taova amin'ny kibo izay mampisy amany ao amin'ny tatavia. DH: "anatin'ny vatako" (UDB) na 2) "tao am-poko."
Ireo mety ho heviny dia 1) "olona izay ihomehezan'Israely rehetra" na 2) "olona izay ihomehezan'ny vahoaka rehetra eto an-tany."
"Io dia toy ny hoe notereny mba hihinana ahitra mangidy aho"
ranom-boankazo mangidy azo avy amin'ny ravina sy voninkazo amin'ny zava-maniry
Ireo dia filazana roa hilazana ny fanetren'Andriamanitra ny mpanoratra.
Tsy miaina fifaliana na fahafinaretana amin'ny fiainany intsony ny mpanoratra.
Ireo dikan-teny sasany mandika hoe: "Levona ny voninahitro", nefa eto ny "voninahitra" dia midika hoe faharetana na hery.
Ny zava-mahafaty dia zava-maniry izay manome tsiranoka tena mangidy raha sotroina. Ny "zava-mahafaty" sy ny "zava-mangidy" dia misy heviny iray ihany ary manindry fa zavatra izay tena mangidy tokoa izany.
Io dia fiteny manondro fahakiviana sy famoizam-po. DH: "ketraka ao anatiko ny fanahiko" na "ao anaty famoizam-po aho"
Andeha hiteny amin'ny mpihaino ny mpanoratra fa manana fanantenana izy.
Miresaka amin'i Yaveh ny mpanoratra.
"Satria momba ahy i Yaveh, dia azoko ny ilaiko rehetra"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny rehetra izay miankina Aminy" (UDB) na 2) "ny olona izay miandry am-paharetana ny mba hiasany."
DH: "ny olona izay mitady Azy"
"mijaly"
"apetraka eo aminy ny zioga"
DH: "niankohoka ary eo amin'ny tany ny vavany"
Miresaka ny olona izay miandry an'i Yaveh ny mpanoratra (3:25).
"Aoka izy hamela ny olona hamely azy"
"na dia mahatonga...aza i Yaveh"
DH: "olombelona" na "olona"
"Manararaotra" na "Mamono"
DH: "Mandidy loza na fahombiazana ho an'ny olon-drehetra Andriamanitra"
Fomban'ny Israelita ny manandratra ny tanany rehefa mivavaka amin'Andriamanitra. DH: "Andeha hivavaka amin-kitsimpo isika ary hanandratra ny tanana"
Ny teny hoe "nandika" sy "nikomy" dia misy heviny iray ihany. Rehefa miaraka ireo dia milaza fa mitovy amin'ny fandikana ihany ny fikomiana amin'i Yaveh.
Eto ny hatezerana dia resahina toy ny hoe fitafiana izay nanaovan'Andriamanitra. Ny Hebreo matetika dia miresaka ny fihetseham-po toy ny hoe akanjo. DH: "Tezitra Ianao."
Mitohy ny vavaka izay nanomboka tao amin'ny 3:40.
DH: "Nampiasainao toy ny fiarovana mba tsy hidiran'ny vavakay ny rahona"
Ny teny hoe "lo maloto" sy "nolavina" dia samy manondro zavatra izay tsy neken'ny olona ary nariany. DH: "Narianao tahaka fako fotsiny ihany izahay."
Ireo mety ho heviny dia 1) fa hitan'ireo firenena hafa toy ny fako izy ireo (UDB), na 2) fa narian'i Yaveh tahaka ny fako teo amin'ireo firenena izy ireo.
Ireo teny roa ireo dia misy heviny iray ihany ary manondro ny faharavan'i Jerosalema. DH: "faharavana tanteraka."
"Mikoriana toy ny rano mikoriana any amin'ny renirano amin'ny masoko ny ranomaso" satria mitomany aho
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:11.
DH: "Izay hitako dia mahatonga fanaintainana ho ahy"
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo vehivavin'i Jerosalema na 2) ireo mponin'i Jerosalema rehetra.
DH: "Novonoin'izy ireo tamin'ny nandatsahan'izy ireo ahy tao an-davaka aho."
Ireo mety ho heviny dia 1) "nanipy vato taty amiko" na 2) "nandrakotra ny lavaka tamin'ny vato."
DH: "Novonoina aho" na "Rendrika aho"
DH: "Niantso Anao mba hamonjy aho"
Ireo mety ho heviny dia 1) "avy ao amin'ny lavaka lalina" na 2) "avy ao am-pasana."
DH: "Renao izay nolazaiko"
DH: "Aza mandà ny hihaino"
Io dia manambara sarin'ny efitrano fitsarana, izay hitsarana ny mpiteny. Amin'io sary io, dia miady ho azy, tahaka ny mpanao lalàna izay miady ho an'ny olona arovany Andriamanitra. DH: "niady ho ahy teo amin'ny fitsarana Ianao"
Eto Andriamanitra dia tsy natao sary tahaka ny mpanao lalàna intsony, fa tahaka ny mpitsara indray.
Ireo andianteny roa ireo dia misy heviny iray ihany ary nampiarahina mba hanindriana.
DH: "nandre azy ireo naneso ahy"
DH: "Ny lazain'ny tenin'ireo izay nitsangana hanohitra ahy"
DH: "ireo izay manafika ahy"
DH: "ny zavatra rehetra ataon'izy ireo"
DH: "Nampijalian'izy ireo aho, ry Yaveh, koa mba ampijalio koa izy ireo ankehitriny"
DH: "ataovy tsy mahalala menatra izy ireo"
DH: "na aiza na aiza misy azy ireo eto an-tany"
1 Efa lasa maloto ny volamena; endrey ny fiovan'ny volamena madio indrindra! Ireo vato masina dia niparitaka teny an-joron-dalana rehetra. 2 Ireo zanaka sarobidin'i Ziona dia mendrika ny lanjan'izy ireo amin'ny volamena madio, fa ankehitriny izy ireo dia tsy mendrika noho ireo siny tanimanga, asa-tanan'ireo mpanefy tanimanga izy ireo! 3 Na ny amboahaolo aza manolotra ny tratrany mba hampinonoana ireo zanany, nefa ny zanakavavin'ny oloko dia efa lasa lozabe, toy ny ostritsa any amin'ny tany efitra 4 Ny lelan'ny zaza minono dia miraikitra amin'ny lanilaniny noho ny hetaheta; mangataka sakafo ny ankizy, saingy tsy misy ho azy ireo. 5 Ireo izay nihinana sakafo lafo vidy ankehitriny dia mosarena eny an-dalana; ireo izay nobeazina nitafy akanjo volomparasy, dia mandry eny amin'ny fako misavoana ankehitriny. 6 Ny famaizana ny zanakavavin'ny oloko dia lehibe noho ny an'i Sodoma, fa noravana tao anatin'ny fotoana fohy izany ary tsy nisy nanandra-tanana mba hanampy azy. 7 Ireo mpitarika azy dia nadio kokoa noho ny oram-panala, fotsy kokoa noho ny ronono; ny vatan'izy ireo dia mena midorehitra noho ny haran-dranomasina, ny tenan'izy ireo dia toy ny safira. 8 Ny endrik'izy ireo ankehitriny dia maizina noho ny molaly; tsy fantatra eny an-dalana izy ireo. Ny hoditr'izy ireo dia niraikitra tamin'ny taolan'izy ireo; lasa maina toy ny hazo izany. 9 Ireo izay novonoina tamin'ny sabatra dia sambatra kokoa noho ireo izay matin'ny hanoanana, izay osa, nolefonina tamin'ny tsy fahampian'ny vokatra avy any an-tsaha. 10 Ny tanan'ireo vehivavy malemy fanahy dia efa nahandro ireo zanany ihany; lasa sakafon'izy ireo nandritry ny fotoana nandravana ny zanakavavin'ny oloko izy ireo. 11 Naneho ny hatezerany rehetra i Yaveh; nandrotsaka ny fahatezerany masiaka Izy. Nandrehitra afo tao Ziona mba handevonana ny fiorenany Izy. 12 Tsy nino ireo mpanjakan'ny tany, ary tsy nino ny mponin'izao tontolo izao, fa afaka niditra tamin'ireo vavahadin'i Jerosalema ireo fahavalo na mpanohitra. 13 Nitranga izany noho ny fahotan'ireo mpaminaniny sy ny helok'ireo mpisorony izay efa nandatsaka ny ràn'ny marina tao afovoany. 14 Nirenireny, jamba, teny amin'ireo lalana izy ireo. Tena voaloto indrindra tamin'izany rà izany izy ireo ka tsy nisy navela mba hikasika ny akanjon'izy ireo. 15 "Mialà! ry Maloto!" hoy ny hiakiakan'ny olona tamin'izy ireo. "Mialà! Mialà! Aza mikasika!" Ka nirenireny izy ireo; hoy ny vahoaka teo amin'ireo firenena hoe: "Tsy mahazo mijanona eto intsony izy ireo." 16 Yaveh mihitsy no nanaparitaka azy ireo; tsy nijery azy ireo intsony Izy. Tsy manome voninahitra ireo mpisorona izy ireo, ary tsy naneho sitraka tamin'ireo loholona. 17 Pahina ny masonay, miandry vasoka izay hanampy anay; avy amin'ireo tilikambo fiambenanay no nijerenay ny firenena izay tsy afaka namonjy anay. 18 Nanaraka ireo dianay izy ireo, tsy afaka nandeha tamin'ireo lalanay izahay. Akaiky ny fiafaranay ary voaisa ireo andronay, efa ho tonga ny fiafaranay. 19 Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ireo voromahery eny an-danitra. Nanenjika anay teny an-tendrombohitra izy ireo ary nanao otrika ho anay tany an-tany efitra. 20 Ny fofonaina eo amin'ny vavoronay dia—ilay voahosotr'i Yaveh—Izy ilay voasambotra tao an-davak'izy ireo; ilay nolazaina hoe: "Ao ambanin'ny alony no hahavelona anay amin'ny firenena rehetra." 21 Mifalia sy miravoravoa, ry zanakavavin'i Edoma, ianao izay monina any amin'ny tanin'i Oza. Fa ho anao ihany koa no handrosoana ny kapoaka; ho mamo ianao ary hampitanjaka ny tenanao. 22 Ry zanakavavin'i Ziona, efa hifarana ny famaizana anao, tsy hanitatra ny sesitaninao Izy. Kanefa ry zanakavavin'i Edoma, hanafay Izy; tsy hanarona ireo fahotanao izy.
Manomboka ny tononkalo vaovao.
vato izay nanaovana ny tempoly
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:18
Ireo mety ho heviny dia 1) Ireo tovolahin'i Jerosalema na 2) ny vahoakan'i Jerosalema rehetra.
DH: "heverin'ny olona ho tsy mendrika noho ny siny tanimanga izay amboarin'ny mpanefy tanimanga izy ireo!"
Io dia midika fa ny renin'amboahaolo dia mamela malalaka ny zanak'izy ireo mba hinono.
aliakadia masika, biby maloto indrindra
Io dia anarana ara-kanto ho an'i Jerosalema, izay resahina toy ny hoe vehivavy eto. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:11.
Ny fanaovana akanjo jaky dia famantarana fa mpanan-karena ny olona iray.
Ireo mety ho heviny dia 1) "famaizana noho ny ota" na 2) "fahotana."
Io dia anarana ara-kanto ho an'i Jerosalema, izay resahina toy ny hoe vehivavy eto.
"Noravan'Andriamanitra tao anatin'ny fotoana fohy izany"
"na izany aza dia tsy nisy nanampy azy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "Tsara jerena ireo mpitarika anay teo aloha" (UDB) satria salama ara-batana izy ireo na 2) tia ireo mpitarika azy ireo ny olona satria madio fitondran-tena tahaka ny oram-panala vaovao sy ronono fotsy tsy mitapoka ireo mpitarika.
Ireo mpitarika ao Jerosalema
hita ho salama
vato mafy mena izay zavatra avy ao amin'ny ranomasina nampiasaina mba atao firavaka
vato manga lafo vidy anaovana firavaka
Io dia mety midika hoe 1) fa nanamaizina ny hoditr'ireo mpitarika ny masoandro na 2) fa nandrakotra ny endrik'izy ireo ny molaly avy amin'ny afo izay nandoro an'i Jerosalema.
DH: "Tsy nisy nahalala azy ireo"
satria tsy nanan-tsakafo sy rano ampy izy ireo
DH: "Ireo izay novonoin'ireo miaramila fahavalo"
DH: "ireo izay maty mosary"
DH: "ireo izay lasa mahia sy malemy satria matin'ny hanoanana"
Ny tsy fahampian-tsakafo eto dia resahina toy ny sabatra. DH: "izay matin'ny hanoanana"
DH: "Ireo vehivavy malemy fanahy"
Tena tezitra i Yaveh, ka nanao ny zavatra rehetra izay tiany atao mba hanehoana ny hatezerany.
Tahaka ny tsiranoka mahamay, mandoro izay miraraka ny hatezeran'Andriamanitra.
Ireo mety midika ho iray amin'ireto 1) fa tahaka ny afo izay nandrava an'i Jerosalema ny hatezeran'Andriamanitra, na 2) fa nasian'Andriamanitra handoro an'i Jerosalema amin'ny afo ireo fahavalo.
"Tsy nisy olona tsy nino tao"
Ireo teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny fa ireo dia olona izay naniry ny hanisy ratsy an'i Jerosalema. DH: "izay mety ho karazam-pahavalo"
Ireo andalana roa ireo dia misy dikany iray ihany ary manindry fa ireo mpitarika ara-panahy dia tompon'andraikitry ny fianjeran'i Jerosalema tokoa. DH: "ireo fahotana mahatsiravin'ireo mpaminany sy ireo mpisorona
Ireo mpisorona sy ireo mpaminany dia samy meloka noho ny famonoana avokoa. DH: "izay efa namono ny marina"
Satria namono olona izy ireo, dia maloto ara-pomba, tsy afaka manompo an'Andriamanitra na hiaraka amin'ny olon-tsotra.
nanaparitaka ireo mpaminany sy mpisorona
"tsy nanaiky azy ireo intsony" na "tsy nankasitraka azy ireo intsony"
Ireo mety ho heviny dia 1) nitady olona mba hanampy azy izy ireo, fa tsy nisy fanampiana mba tonga na 2) mbola nitady vonjy tamin'ny olona izay tsy afaka ny hanampy azy ireo mihitsy izy ireo.
DH: "Nanaraka anay tamin'izay rehetra nalehanay ireo fahavalonay"
DH: "Ny fotoana izay hahafatesanay"
Io dia fiantsoana ny mpanjaka, izay manome fiainana ny vahoakany tahaka ny fofonaina izay mihazona ny vatana mba ho velona.
Eto ny hoe "lavaka" dia manondro ny fandrik'ireo fahavalo, ny tetik'izy ireo ny hahatratra ny mpanjaka. DH: "nanao tetika mba hahazoana ny mpanjakanay ireo fahavalo, ka nisambotra azy izy ireo"
Ireo teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry ny haben'ny hafaliana. Mampiasa ireo teny ireo handatsana ny mpanoratra. DH: "Mifalia tanteraka."
Ireo dia anarana ara-kanto ho an'ny vahoakan'i Jerosalema sy an'ny tanin'i Edoma, izay resahina toy ny hoe vehivavy eto.
Ny divay izay hosotroin'ny olona amin'ny kapoaka dia famantarana ny hatezeran'i Yaveh. DH: "Hitsara anao ihany koa i Yaveh"
Eto ny teny hoe "Izy" dia manondro an'i Yaveh.
"hampiharihary ireo fahotanao"
1 Tadidio, ry Yaveh, izay nanjo anay, jereo sy diniho ny fahafam-barakanay. 2 Nafindra ho an'ireo vahiny ny lovanay; ny tranonay ho an'ireo hafa firenena. 3 Lasa kamboty izahay, kamboty ray, ary ny reninay dia toy ny mpitondratena. 4 Tsy maintsy mandoa volafotsy ho an'ny rano sotroinay izahay, ary tsy maintsy mandoa volafotsy vao mahazo ny kitainay. 5 Ireo izay manenjika anay dia akaiky aorianay; reraka izahay ary tsy mahita fitsaharana. 6 Efa nanolo-tena ho an'i Egypta sy Asyriana izahay mba hahazoana sakafo sahaza. 7 Nanota ireo razambenay, ary tsy eo intsony izy ireo, ary izahay no mizaka ny helok'izy ireo. 8 Ireo andevo no manjaka eo aminay, ary tsy misy hanafaka anay eo an-tanan'izy ireo. 9 Manao sorona ny ainay izahay vao mahazo ny mofonay, nohon'ny sabatra any an'efitra. 10 Niha-nahamay toy ny fatana ny hoditray nohon'ny hatezerena miredareda. 11 Voaolana ireo vehivavy tao Ziona, sy ireo virijiny tao amin'ireo tanànan'i Joda. 12 Nahantona tamin'ny tanany ihany ireo andriandahy, ary tsy nomen-boninahitra ireo loholona. 13 Noterena hikosoka vary tamin'ny fikosoham-bary ireo tovolahy, ary ireo ankizy lahy dia mivembena milanja hazo. 14 Niala teo amin'ny vavahadin'ny tanàna ireo loholona, ary namela ny zava-manenon'izy ireo ny tovolahy. 15 Nitsahatra ny hafaliam-ponay ary niova ho fisaonana ny dihinay. 16 Nilatsaka avy eny an-dohanay ny satro-boninahitra; loza ho anay, satria nanota izahay! 17 Noho izany dia lasa narary ny fonay, ary lasa pahina ny masonay, noho ireo zavatra ireo dia lasa pahina ny masonay, 18 satria ny tendrombohitr'i Ziona nitoka-monina, izay misy amboahaolo mikarenjy eo aminy. 19 Fa Ianao, ry Yaveh, dia manjaka mandrakizay, ary Ianao dia hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao hatramin'ny taranaka fara-mandimby. 20 Nahoana izahay no adinonao mandrakizay? Nahoana Ianao no mahafoy anay mandritra ny andro maro? 21 Avereno Aminao izahay, ry Yaveh, dia hiverina. Avaozy toy ny taloha ny andronay— 22 raha tsy hoe efa nolavinao tanteraka izahay ary tena tezitra loatra aminay Ianao.
Manomboka ny tononkalo vaovao.
"Eritrereto"
"jereo ny fahamenaranay"
"Navelanao halain'ireo vahiny ny lovanay"
"Navelanao halain'ireo hafa firenena ny tranonay"
Tsy nanana na iza na iza hiaro azy ireo ny vahoakan'i Jerosalema satria na maty an'ady ireo lehilahy na lasa tany an-tsesitany.
"Tsy maintsy mandoa volafotsy any amin'ireo fahavalonay izahay mba hisotroana ny ranonay ihany"
"ny kitainay ihany no amidin'ireo fahavalonay aminay"
Ny tafika Babyloniana.
DH: "nanao fifanarahana tamin'ny" na "nanolo-batana tamin'ny"
DH: "mba hahazoanay sakafo hohanina"
DH: "efa maty izy ireo"
DH: "nizaka ny sazin'ny fahotan'izy ireo izahay"
Ireo mety ho heviny dia 1)"Ankehitriny ny olona izay manapaka eto aminay dia andevo tamin'ireo tompony tany Babylona ihany" (UDB) na 2) "Olona izay efa andevo tany Babylona no manapaka eto aminay ankehitriny."
Eto ny teny hoe "tanana" dia manondro ny fahefana. DH: "mba hanavotra anay eo amin'ny fahefan'izy ireo"
DH: "satria misy olona any an'efitra izay mamono ny hafa amin-tsabatra"
DH: "Ny vehivavy rehetra, tanora sy antitra, dia voaolana tao Jerosalema sy tao amin'ireo tanànan'i Joda avokoa"
Ireo mety ho heviny dia 1) "Tamin'ny tanan'izy ireo ihany, no nanantonany ireo andriandahy" na 2) nafatotr'izy ireo niaraka tamin'ny vodin'ny tady iray sy nafatotra tamin'ny vodiny iray ny tanan'ireo andriandahy mba tsy ho afaka mitehin-tany ny tongotr'ireo andriandahy.
lehilahy izay tsy "lehilahy mahery" intsony
eo amin'izay hanomezan'ireo loholona torohevitra ara-dalàna, nefa eo amin'izay hihaonan'ny olona ara-piarahamonina ihany koa
anisan'ny fiainam-piarahamonina eo am-bavahadin'ny tanàna
Ireo mety ho heviny dia 1) "Tsy manao voninkazo eo an-dohanay amin'ny fankalazana intsony izahay" na 2) "Tsy manana mpanjaka intsony izahay."
DH: "sarotra ho anay ny hahita noho ny ranomasonay"
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:3. Ireo toerana rava, foana no noheverina fa nonenan'ireo karazam-bibidia maro, anisan'izany ny amboahaolo.
"ny herinao sy ny fahefanao mba hanapaka amin'ny maha-mpanjaka"
DH: "lalandava"
DH: "Nefa toy ny hoe hanadino anay mandrakizay na tsy hiverina aminay mandritra ny fotoana lava be Ianao!"
DH: "Ataovy tsara ny fiainanay, tahaka izany taloha" na "Ataovy lehibe toy ny taloha izahay"
Ireo mety ho heviny dia 1) matahotra ny mpanoratra fa mety ho tezitra mafy ny hamerina azy ireo i Yaveh na 2) milaza izy fa tezitra mafy ny hamerina azy ireo i Yaveh (UDB).
1 Tamin'ny taona fahatelopolo, ny volana fahefatra, ary andro fahadimin'ny volana, dia izao no nitranga raha mbola nonina teo amin'ireo babo teo akaikin'ny Lakan-drano Kebara aho. Nisokatra ny lanitra, ary nahita fahitana avy tamin'Andriamanitra aho. 2 Tamin'ny andro fahadimin'izany volana izany— tamin'ny taona fahadimy nanaovana sesi-tany an'i Joiakima Mpanjaka— 3 dia tonga tamin'i Ezekiela zanaka lahin'i Bozy ilay mpisorona ny tenin'i Yaveh, tao amin'ny tanin'ireo Kaldeana teo akaikin'ny Lakan-drano Kebara, ary ny tanan'i Yaveh dia teo aminy tao. 4 Dia nijery aho, ary nisy tafio-drivotra avy any avaratra; nisy rahona lehibe misy afo mitselatselatra sy hazavana manodidina izany sy tao anatin'izany, ary ilay afo dia miloko volontany manopy mavo tao anatin'ilay rahona. 5 Teo afovoany dia nisy endrika zava-manan'aina efatra. Izao no endrik'izy ireo: niendrika olona ireo, 6 kanefa dia samy nanana tarehy efatra avy izy ireo, ary ireo zava-manan'aina tsirairay dia samy nanana elatra efatra avy. 7 Nahitsy ny tongotr'izy ireo, fa ny faladiany dia tahaka ny kitron-janak'omby izay namiratra tahaka ny varahina mangirana. 8 Nefa nanana tanan'olombelona tao ambany elany izy ireo tamin'ny lafiny efatra rehetra. Tamin'izy efatra, dia tahaka izao ny tavany sy elany: 9 ny elatr'izy ireo dia nifampikasika tamin'ny elatry ny zava-manan'aina teo an-kilany, ary tsy niherika izy ireo rehefa nandeha; fa kosa samy nandeha mahitsy. 10 Ny endriky ny tavan'izy ireo dia tahaka ny endrik'olombelona. Ny ilany ankavanan'ny tavan'ny efatra tamin'izy ireo dia niendrika liona, ary ny ilany ankavian'ny tavan'ny efatra tamin'izy ireo dia niendrika omby. Izy efatra ireo ihany koa dia nanana endrika voromahery. 11 Tahaka izany ny endrik'izy ireo, ary ny elany dia nivelatra ambony ka samy nanana elatra roa avy ireo zava-manan'aina ireo izay nifampikasika tamin'ny elatry ny zava-manan'aina hafa, ary elatra roa ihany koa izay nandrakotra ny vatan'izy ireo. 12 Samy nizotra nankany aloha izy ireo, koa na taiza na taiza nitondran'ilay Fanahy azy ireo dia nalehany, nandeha tsy niherika izy ireo. 13 Raha ny endrik'ireo zava-manan'aina, dia tahaka ny vain'afo mandoro no fahitana azy, tahaka ny endriky ny fanilo; nisy afo mamirapiratra ihany koa nivoivoy isaky ny zava-manan'aina, ary nisy tselatra. 14 Ireo zava-manan'aina dia nikisaka mandroso mihemotra haingana dia haingana, ary nanana endrika tahaka ny tselatra izy ireo! 15 Ary nijery tany amin'ireo zava-manan'aina aho; nisy kodia iray teo amin'ny tany teo ankilan'ireo zava-manan'aina. 16 Izao no fahitana sy firafitr'ireo kodia: samy tahaka ny krysolita ireo kodia, ary samy nanana endrika mitovy izy efatra; ny endrik'izy ireo sy ny firafiny dia tahaka ny kodia mifampiditra. 17 Rehefa nikisaka ireo kodia, dia nandeha tsy nivily tamin'ny lalan-kizorana izay natrehan'ireo zava-manan'aina izy ireo. 18 Raha ny amin'ny sisiny, dia avo sy mampatahotra izy ireo, satria feno maso manodidina. 19 Isaky ny mikisaka ireo zava-manan'aina dia mikisaka akaiky azy ireo kodia. Rehefa niainga tamin'ny tany ireo zava-manan'aina dia niainga ihany koa ireo kodia. 20 Na aiza na aiza tian'ilay Fanahy haleha, dia nalehan'izy ireo, ary niainga teo amin'izy ireo ny kodia, satria ny fanahin'ireo zava-manan'aina dia tao amin'ireo kodia. 21 Rehefa nikisaka ireo zava-manan'aina dia nikisaka ihany koa ireo kodia; ary rehefa mbola nijoro ireo zava-manan'aina, dia nijoro ireo kodia; rehefa niainga tamin'ny tany ireo zava-manan'aina, dia niainga teo anilan'ireo ihany koa ireo kodia, satria ny fanahin'ireo zava-manan'aina no tao amin'ireo kodia. 22 Teo ambonin'ny lohan'ireo zava-manan'aina dia nisy endrika eloelo midadasika; miendrika tahaka ny volon'ny krystaly mahatalanjona mivelatra eo ambonin'ny lohan'izy ireo izany. 23 Teo ambanin'ilay eloelo dia samy nivelatra mahitsy ny elatr'ireo zava-manan'aina tsirairay ary nifampikasika tamin'ny elatry ny zava-manan'aina hafa. Ireo zava-manan'aina dia samy nanana elatra roa nandrakotra ny tenany; samy nanana roa mba handrakofana ny vatany. 24 Avy eo dia naheno ny fikopakopaky ny elatr'izy ireo aho. Tahaka ny firaondraon'ny rano mandeha. Tahaka ny feon'ilay Tsitoha isak'izay nihetsika izy ireo. Tahaka ny feon'ny kotrok'orana. Tahaka ny feon-tafika. Isaky ny nijoro izy ireo, dia nampidina ny elany. 25 Nisy feo nivoaka avy tao amin'ilay eloelo teo ambonin'ny lohan'izy ireo raha mbola nitsangana sy nampidina ny elany izy ireo. 26 Teo ambonin'ilay eloelo teo ambonin'ny lohan'izy ireo dia nisy endrika seza fiandrianana izay toy ny vato safira ny fahitana azy, ary teo amin'ilay niendrika seza fiandrianana dia nisy tahaka ny lehilahy ny fahitana azy. 27 Nahita sary miendrika metaly mamirapiratra misy afo tao anatiny nanomboka teo amin'ny valahany no ho miakatra aho; nahita endrika afo sy hazavana teo amin'ny valahany no ho midina aho. 28 Tahaka ny endrika avana ao anaty rahona amin'ny andro avy orana no fahitana ilay jiro mazava manodidina izany. Endriky ny voninahitr'i Yaveh izany. Rehefa nahita izany aho, dia nikarapoka niankohoka, ary nahare feo niteny.
Ny fahatelopolo taona niainan'i Ezekiela ity.
"andro fahadimin'ny volana fahefatra." Ity no volana fahefatra amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahadimy dia manodidina ny faran'ny Jona amin'ny tetiandro tandrefana.
Ity fehezanteny ity nampiasaina mba hanamarihana tranga manan-danja ao amin'ilay tantara. Raha toa ny fiteninao ka manana fomba hanaovana izany, dia ampiasao eto izany.
Ny teny hoe "aho" dia maneho an'i Ezekiela. "Iray tamin'ireo babo aho"
"Nampisehoan'Andriamanitra zavatra tsy mahazatra aho"
Ao amin'ilay boky, Ezekiela dia hitondra an'ireo faminaniany mifototra amin'ny fotoana naneren'ireo Babyloniana an'i Joiakima mba handao an'i Jerosalema.
Ezekiela dia miteny ny tenany toy ny hoe olona hafa izy. DH: "tamiko, Ezekiela ... teo amiko tao"
Anarana lehilahy.
Ity dia renirano izay nohadian'ny Kaldea mba hanome rano ho an'ny sahan'izy ireo. "ny renirano Kebara"
Ny teny hoe "tanana" matetika dia ampiasaina hanehoana ny fahefana na hetsiky ny olona iray. Olona mametraka ny tanany eo amin'ny olona iray hafa dia manana fahefana amin'izany olona iray hafa izany. DH: "nifehy azy Yaveh"
Ity no anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoaka tao amin'ny Testamenta Taloha.
Ezekiela manohy mamaritra ny fahitany.
Ity dia tafiotra mitondra rivotra mahery.
Ny avaratra dia lalana mankany an-kavianao rehefa mijery ny masoandro rehefa miposaka ianao.
Afaka adika ho fehezanteny vaovao ity: "Ilay tafio-drivotra dia niaraka tamin'ny rahona lehibe sy afo mitselatselatra tao amin'izany"
"ary nisy tselatra tena manjelatra nanodidina sy tao anatin'izany"
"mavo mamirapiratra toy ny volontany" na "mavo mamirapiratra"
mavo fampiasa toy ny ravaka mahafinaritra amin'ny firavaka.
"tao anatin'ilay tafio-drivotra"
"nisy zavatra izay niendrika zava-manan'aina efatra"
"izao no endrik'ireo zava-manan'aina efatra"
"niendrika olona ireo zava-manan'aina efatra"
"fa ny tsirairay tamin'izy ireo dia nanana tarehy efatra samihafa sy elatra efatra." Ny zava-manan'aina tsirairay dia nanana tarehy teo anoloana, tarehy teo aoriana, ary tarehy isakin'ny sisin'ny lohany.
Ezekiela manohy mamaritra ny fahitany.
"fa ny faladihany dia niendrika kitron-janak'omby" na "ny tongony dia niendrika tongotr'omby"
ilay faritra mafy amin'ny tongotr'omby.
"izay namiratra tahaka ny varahina izay nokosehina." Ity dia mamaritra ny tongotr'ireo zava-manan'aina. DH: "ary namiratra tahaka ny varahina mangirana izy ireo"
"tamin'ny lafiny efatra rehetran'ny vatan'izy ireo"
"Tamin'ireo zava-manan'aina efatra, dia tahaka izao ny elatra sy ny tavan'izy ireo"
"ary tsy niherika ireo zava-manan'aina rehefa nandeha izy ireo"
Ezekiela manohy mamaritra ny fahitany.
Ezekiela dia mamaritra ny tavan'ireo zava-manan'aina eo amin'ny anoloan'izy ireo. DH: "Toy izao ny endriky ny zava-manan'aina tsirairay: Ny tava anoloana dia nisendrika tarehin'olombelona"
"ny endrika teo amin'ny ilany havanan'ny lohany dia niendrika toy ny tavan'ny liona"
"ny endrika teo amin'ny ilany havian'ny lohany dia niendrika toy ny endrik'omby"
"ary farany, ny endrika tao aorian'ny lohany dia niendrika toy ny endrika voromahery"
"ny zava-manan'aina tsirairay dia namelatra roa tamin'ny elany ka nikasika ny elatr'ilay zava-manan'aina teo akaikiny ny elatra iray, ary ilay elatra hafa nikasika ny elatra'ilay zava-manan'aina teo akaikiny"
Afaka atao fehezanteny vaovao ity. DH: "ireo elatra roa hafan'ny zava-manan'aina tsirairay dia nandrakotra ny vatany"
"ny zava-manan'aina tsirairay dia samy nandeha niaraka tamin'ny endrika nijery tany aloha"
Ezekiela manohy mamaritra ny fahitany.
"dia namiratra tahaka ny vain'afo ao anaty afo mandoro, na tahaka ny fanilo"
"ary nisy tselatra nivoaka avy tao amin'ilay afo"
Nisy tselatra ary avy eo manjavona aingana, ary ireo zava-manan'aina dia nikisaka aingana avy teo amin'ny toerana iray mankeo amin'ny toerana hafa.
Ezekiela manohy milaza ny momban'ny fahitany.
"nisy kodia iray teo amin'ny tany teo akaikin'ny tsairairay amin'ireo zava-manan'aina, kodia iray isakin'ny lalana natrehan'ireo zava-manan'aina"
"Izao no endrik'ireo kodia sy ny fomba nanaovana azy ireo"
ny krysolita dia karazana vato mazava, sarobidy, matetika miloko mavo na ranom-bolamena. "mazava sy mavo tahaka ny vato krysolita" na "mazava sy mavo tahaka ny vato sarobidy"
"ireo kodia efatra dia samy nitovy endrika avokoa"
Ezekiela manohy mamaritra ny fahitany.
"ireo kodia dia afaka nandeha tany amin'ireo lalana efatra izay natrehan'ireo zava-manan'aina"
"Toy izao ny endriky ny sisin'ireo kodia"
"tena avo sy mahatalanjona ireo sisiny" na "avo sy mampatahotra ireo sisiny"
"satria nanana maso maro be nanodidina an'ireo kodia efatra ireo sisiny"
Nanidina teny amin'ny habakabaka ireo zava-manan'aina rehefa niainga avy teo amin'ny tany. DH: "Koa rehefa niainga tamin'ny tany ireo zava-manan'aina ka niakatra teny amin'ny habakabaka"
Ireo mety ho heviny dia 1) miresaka an'ireo "zava-manan'aina" ao amin'ny andininy faha 19 toy ny hoe zava-manan'aina iray ihany izy ireo, "tao amin'ireo kodia ny fanahin'ireo zava-manan'aina" na 2) mampiasa fomba fiteny mba hiresahana ny "fanahin'ny fiainana" na "ilay fanahy velona" na 3) "ilay fanahy izay nanome aina an'ireo zava-manan'aina sy nanome aina an'ireo kodia ihany koa."
"niala tamin'ny tany ihany koa ireo kodia ary nankeny amin'ny habakabaka"
Ny teny hoe "izy ireo" dia maneho an'ireo zava-manan'aina.
"niakatra teny amin'ny habakabaka niaraka tamin'ireo zava-manan'aina ireo kodia"
Ny elo dia tahaka ny baolina poakaty izay notapahana teo amin'ny atsasany. Ny hoe "midadasika" dia midika hoe lehibe.
"krystaly izay mahatalanjona ny olona rehefa mijery mijery izany izy ireo"
"ireo zava-manan'aina tsirairay dia nanana elatra roa hafa koa, izay nampiasain'izy ireo handrakofana ny vatan'izy ireo"
Ezekiela dia manohy milaza momban'ny fahitany an'ireo zava-manan'aina.
Ireo mety ho heviny dia ny teny hoe "isak'izay nihetsika" dia maneho 1) ny teny rehetra eo anoloan'izy ireo ao amin'ity andininy ity "isak'izay nihetsika izy ireo, dia nandre ny feon'ny elatr'izy ireo aho. Tahaka ny feon'ny rano mandeha. Tahaka ny feon'ilay Tsitoha. Tahaka ny" na 2) ireo teny izay manaraka ny "elatra. Tahaka ny feon'ny rano mikoriana. Tahaka ny feon'ilay Tsitoha. Isak'izay nihetsika izy ireo, dia toy ny feon'ny"
Ireo fehezanteny ireo dia tsy feno satria Ezekiela nampiseho fa entanim-po tamin'izay hitany izy. Afaka atao fehezanteny feno ireo hoe: "ny feon'ireo elatra dia toy ny feon'ny rano. Toy ny feona ... nihetsika. Izy ireo dia toy ny feon'ny kotrok'orana. Toy ny feon-tafika."
Ity dia midika tsotra fotsiny hoe "rano be." Mety maneho "renirano mafy" na "rian-drano lehibe" na "onja mitontona eo amin'ny ranomasina" izany. Ireo rehetra ireo dia samy mitabataba mafy.
Ny Baiboly matetika dia maneho ny kotroka toy ny "feon'ilay Tsitoha." DH: "Tahaka ny feon'ilay Andriamanitra Tsitoha ny feon'izany" na "tahaka ny kotrok'ilay Tsitoha ny feon'izany"
Ireo mety ho heviny dia 1) "tahaka ny feona tafio-drivotra lehibe" na 2) "tahaka ny feona vahoaka maro be" DH: "Nisy feo izay tena mafy tahaka ny tafio-drivotra lehibe" na "Nisy feo izay tena mafy tahaka ny vahoaka maro be"
"isaky ny tsy nihetsika ireo zava-manan'aina"
"ireo zava-manan'aina dia namela ny elatr'izy ireo hidina teo ankilan'izy ireo." Nataon'izy ireo izany rehefa tsy nampiasa ny elany mba hanidina izy ireo.
"nisy olona izay teo ambonin'ilay eloelo niresaka." Raha mila miteny ianao hoe feon'izany izany, dia tokony hamantatra izany ho feon'i Yaveh ianao.
"ny eloelo izay teo an-dohan'ireo zava-manan'aina"
Adikao toy ny tao amin'ny 1:22 ity.
"teo ambonin'ny lohan'ireo zava-manan'aina"
"nisy zavatra izay niendrika seza fiandrianana"
vato tena sarobidy izay manga mazava sy tena manjelatra
"teo amin'ilay seza fiandrianana"
"olona izay niendrika lehilahy." Raha mila miteny ianao hoe iza ity, dia tokony hamantatra azy ho Yaveh ianao.
Ezekiela manohy milaza momban'ny fahitany.
Ny vatan'ilay olona ambonin'ny valahany dia niendrika vy mamirapiratra izay nisy afo tao anatiny.
"nanodidina an'ilay olona nipetraka teo amin'ilay seza fiandrianana"
"nanodidina azy ambanin'ny valahana, dia nahita endrika afo sy jiro mazava aho"
"ny hazavana izay nanodidina azy rehetra dia niendrika havana izay miseho eny amin'ny rahona amin'ny andro avy orana"
tara-pahazavana milokoloko izay miseho eny amin'ny oarana rehefa mibalika ao aorian'ny mpijery ny masoandro.
"ilay hazavana mamirapiratra dia niendrika zavatra izay mitovy amin'ny voninahitr'i Yaveh."
"niankohoka tamin'ny tany aho" na "nandry teo amin'ny tany aho." Tsy nianjera tsinahy i Ezekiela. Nianjera tamin'ny tany izy mba hampisehoana fa nanaja sy natahotra an'i Yaveh izy.
Ny teny hoe "feo" dia sarinteny ho an'ilay olona mihitsy. DH: "Nahare olona niteny aho" na "nisy olona niteny, ary reko ny feony"
1 Hoy Izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, mitsangàna; ary dia hiteny aminao Aho." 2 Taorian'izay, raha mbola niteny tamiko Izy, dia niditra tao anatiko ny Fanahy ka nampitsangana ahy, ary reko Izy miteny amiko. 3 Hoy Izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, mandefa anao ho any amin'ny vahoakan'Israely Aho, any amin'ireo firenena mpikomy izay nikomy tamiko—na izy ireo na ireo razambeny dia samy efa nanota tamiko mandrak'ankehitriny! 4 Manana endrika mafiloha sy mafy fo ireo taranak'izy ireo. Maniraka anao ho any amin'izy ireo Aho, ary hiteny amin'izy ireo ianao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh'. 5 Na izy ireo hihaino na izy ireo tsy hihaino. Taranaka mpikomy izy ireo, nefa farafahakeliny izy ireo hahalala fa mpaminany no teo amin'izy ireo. 6 Ianao, ry zanak'olona, aza matahotra azy ireo na ny tenin'izy ireo. Aza matahotra, na dia misy tsilo aza ianao ary na dia miaina miaraka amin'ny maingoka aza ianao. Aza mifezaka amin'ny tenin'izy ireo na raiki-tahotra amin'ny tavan'izy ireo, satria taranaka mpikomy izy ireo. 7 Nefa ianao hiteny amin'izy ireo ny teniko, na hihaino izy ireo na tsia, satria mpikomy indrindra izy ireo. 8 Fa ianao, ry zanak'olona, henoy izay lazaiko anao. Aza mba mpikomy tahaka ireny taranaka mpikomy ireny. Sokafy ny vavanao ary hano izay efa omeko anao!" 9 Avy eo dia nijery aho, ary nisy tanana nitsotra teo amiko; nisy horonan-taratasy voasoratra tao anatin'izany. 10 Novelariny teo anatrehako izany; samy voasoratra avokoa na ny anoloana na ny ambadika, ary ny voasoratra teo amin'izany dia fitarainana, fisaonana, ary loza.
Ezekiela manohy milaza momban'ilay fahitana izay hitany.
Raha toa ny fiteninao ka mila mamaritra an'ilay miteny, dia tsara indrindra raha atao hoe "ilay iray izay niendrika olona" ilay miteny. (1:26). Tsy "ilay Fanahy" izany.
Mety ho heviny hafa 1) "fanahy" na 2) "rivotra"
"zanak'olombelona." Andriamanitra dia miantso an'i Ezekiela amin'izany mba hanamafisana fa olombelona ihany Ezekiela. Mahery Andriamanitra ary velona mandrakizay, fa ny olona tsy tahaka izany. DH: "olona mety maty" na "Olombelona"
"any amin'ireo Israelita, any amin'ireo vahoaka mpikomy." Vahoaka iray ihany no asehoan'ireo fehezanteny roa ireo. "vahoakan'Israely, izay mpikomy"
Izany dia midika fa ny vahoakan'Israely dia nanohy tsy nankato an'Andriamanitra. "na ankehitriny aza" na "na androany azy"
Andriamanitra manohy miresaka amin'i Ezekiela.
ny taranak'ireo taranak'Israely taloha izay nikomy nanohitra an'Andriamanitra, maneho ny vahoaka mipetraka any Israely taminy'ny fotoana nanoratan'i Ezekiela.
Ny teny hoe "endrika mafiloha" dia maneho ny fomba fihetsik'izy ireo ivelany, ary ny teny hoe "mafy fo" dia maneho ny fomba fisainana sy ny fahatsapan'izy ireo. Izy ireo miaraka dia manamafy fa ny vahoakan'Israely dia tsy hiova amin'ny fomba fiainan'izy ireo mba hankatoavana an'Andriamanitra.
"manao fihetsika eny amin'ny tarehin'izy ireo izay mampiseho fa mafiloha izy ireo"
"tsy vonona ny hiova"
Ny vatolampy dia tsy miova na lasa malefaka mihitsy, ary ireo vahoaka ireo dia tsy miova sy tsy malahelo mihitsy rehefa manao zavatra ratsy izy ireo.
Ity dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "Vondron'olona"
"mpaminany ilay iray izay nolavin'izy ireo ho henoina"
Andriamanitra manohy miresaka amin'i Ezekiela.
"zanak'olombelona." Andriamanitra dia miantso an'i Ezekiela amin'izany mba hanamafisana fa olombelona ihany Ezekiela. Andriamanitra dia mahery ary velona mandrakizay, fa ny olona tsy tahaka izany. Adikao toy ny tao amin'ny 2:1 ity. DH: "olona mety maty" na "olombelona"
Ireo teny ireo dia mamaritra ny vahoakan'israely izay tsy hitondra an'i Ezekiela amin-katsaram-panahy rehefa hiteny izay lazain'Andriamanitra amin'izy ireo izy.
Ireo tendrony maranitra eny amin'ny sampana no atao hoe tsilo.
Ny maingoka dia biby kely manana fanaketoana roa, tongotra enina, ary rambo lava misy fanindrona misy poizina. Manaintaina mafy ny fanindronany.
"Aza matahotra an'izay lazain'izy ireo"
Ny hoe "ny tavan'izy ireo" dia sarinteny ho an'ny hafatra izay asehon'ny olona eny amin'ny tavan'izy ireo. DH: "manary ny fanirianareo hanompo Ahy nohon'ny fomba fijerin'izy ireo anao"
Andriamanitra manohy miresaka amin'i Ezekiela.
"tena mpikomy fatratra" na "mikomy fatratra manohitra Ahy"
Ity dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "Vondron'olona" Adikao toy ny tao amin'ny 2:4.
Izany dia toy ny hoe 1) nisy olona any an-danitra nanatsotra ny tanany tamin'i Ezekiela ary ny hany hitan'i Ezekiela dia ilay tanana hatreny amin'ny kiho na soroka na 2) nanatsotra ny tanany ilay "iray izay niendrika olona" (1:26)
"horonan-taratasy izay nisy soratra tao anatiny"
Ilay "iray izay niendrika olona" no resahina teo. (1:26)
DH: "nisy olona nanoratra tao amin'ny anoloana sy tao ambadika"
Ireo anarana hoe "fitarainana," "fisaonana," ary "loza" dia afaka atao mpamaritra. DH: "nisy olona nanoratra teo amin'izany fa ireo vahoaka ireo dia hitaraina, halahelo amin'ny fomban'izy ireo rehefa misy olona tian'izy ireo ka maty, ary hisy zavatra ratsy hitranga amin'izy ireo"
1 Dia hoy Izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, izay hitanao, dia hano. Hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana ka mitenena amin'ny ankohonan' Israely". 2 Koa nanokatra ny vavako aho, dia nofahanany an'izany horonan-taratasy izany. 3 Hoy Izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao ary fenoy amin'ity horonan-taratasy izay nomeko anao ity ny vavoninao!" Ka dia nihinana izany aho, dia mamy tahaka ny tantely tao am-bavako izany. 4 Dia hoy Izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, mandehana any amin'ny ankohonan'Israely ary lazao amin'izy ireo ny teniko. 5 Fa tsy halefa any amin'ny vahoaka hafa fiteny ianao na fiteny sarotra, fa any amin'ny ankohonan'Israely— 6 tsy any amin'ny firenena lehibe izay hafahafa fiteny sy sarotra fiteny izay tsy ho azonao ireo teniny! Raha nandefa anao tany amin'izy ireo Aho, dia ho nihaino anao izy ireo. 7 Fa ny zanak'Israely dia tsy mba vonona ny hihaino anao, satria tsy vonon-kihaino Ahy izy ireo. Noho izany ny zanak'Israely rehetra dia mafy handrina sy mafy fo. 8 Indro! Efa nanamafy ny tavanao tahaka ireo tavany Aho ary ny handrinao ho mafy tahaka ny handrin'izy ireo. 9 Nataoko tahaka ny diamondra ny handrinao, mafy noho ny afovato! Aza matahotra azy ireo ianareo na hakivian'ny tarehiny, satria taranaka mpikomy izy ireo." 10 Dia niteny tamiko izy hoe: "Ry zanak'olona, ireo teny rehetra izay ambarako aminao—raiso ao am-ponao ireo ary hatongilano amin'ireo ny sofinao! 11 Avy eo mankanesa any amin'ireo babo, any amin'ireo vahoakanao, ary mitenena amin'izy ireo. Lazao amin'izy ireo hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh,' na hihaino izy ireo na tsia." 12 Dia nanainga ahy ny fanahy, dia naheno ny feon'ny horohoron-tany lehibe tao aoriako aho: "Hisaorana anie ny voninahitr'i Yaveh avy eo amin'ny fitoerany!" 13 Izany dia feon'ny elatr'ireo zava-manan'aina raha mifampikasoka izy ireo, sy feon'ireo kodia izay niaraka tamin'izy ireo, ary feona horohoron-tany lehibe. 14 Nanainga ahy ny fanahy ary nitondra ahy, dia nandeha araka ny ngidin'ny hatezeran'ny fanahiko aho, fa ny tanan'i Yaveh dia nanindry ahy tamin-kery! 15 Koa nankany amin'ireo babo tany Telabiba izay nonina amin'ny moron'ny ony Kebara aho, ary nijanona tany teo amin'izy ireo nandritry ny fito andro, ka heniky ny fahatalanjonana aho. 16 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh taorian'ny hafitoana, manao hoe: 17 "Ry zanak'olona, nataoko ho mpiambina ho an'ny ankohonan'Israely ianao, ka mihainoa ny teny avy amin'ny vavako, ary omeo azy ireo ny fampitandremako. 18 Rehefa miteny amin'ny ratsy fanahy aho hoe: 'Ho faty tokoa ianao' ary tsy mampitandrina na milaza fampitandremana ny ratsy fanahy momban'ireo asa ratsiny mba ahafahany miaina ianao—dia ho faty nohon'ny fahotany ilay ratsy fanahy, fa ho takiako amin'ny tananao ny ràny. 19 Fa raha mampitandrina ny ratsy fanahy ianao, ka tsy miala amin'ny faharatsiany na amin'ireo asa ratsiny izy, dia ho faty amin'ny fahotany izy, fa hahavonjy ny ainao ihany ianao. 20 Raha mivadika amin'ny fahamarinany ny olo-marina iray ary manao ny tsy rariny, ary hametrahako vato fanafintohina eo anoloany, dia ho faty izy. Satria tsy nampitandrina azy ianao, dia ho faty ao amin'ny fahotany izy, ary tsy ho tsaroiko ireo asa marina izay notanterahiny, fa takiko amin'ny tananao ny ràny. 21 Fa raha mampitandrina ny olo-marina ianao mba hitsahatra amin'ny fanotana ka tsy hanota intsony izy, dia hiaina tokoa izy satria nampitandremana; ary hahavonjy ny ainao ihany ianao." 22 Ka teo amiko ny tanan'i Yaveh, ary hoy izy tamiko hoe: "Mitsangàna! Mandehana mivoaka any amin'ny lohasaha, dia hiresaka aminao any Aho!" 23 Nitsangana aho ary nandeha nivoaka tany amin'ny lohasaha, dia nitoetra teo ny voninahitr'i Yaveh, tahaka ny voninahitra izay hitako teo akaikin'ny Lakan-drano Kebara; koa nanondrika ny tavako aho. 24 Nanatona ahy ny fanahy ka nampitsangana ahy tamin'ny tongotro; ary niresaka tamiko izy, nilaza tamiko hoe: "Mandehana ary hidio ao an-tranonao ny tenanao, 25 fa ankehitriny, ry zanak'olona, hametraka tady eo aminao izy ireo ary hamatotra anao ka tsy afaka ny hivoaka ao amin'izy ireo ianao. 26 Hampiraiketiko amin'ny lanilaninao ny lelanao, ka ho lasa moana ianao, ka tsy afaka ny hiteny mafy azy ireo, satria taranaka mpikomy izy ireo. 27 Fa rehefa miresaka aminao Aho, dia ho sokafako ny vavanao ka hiteny amin'izy ireo ianao hoe: "Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: 'Ny iray izay maheno dia haheno; ny iray izay tsy mihaino dia tsy hihaino, satria taranaka mpikomy izy ireo!"
Ezekiela manohy milaza ny momba ilay fahitana izay hitany.
Ny teny hoe "Izy" eto dia maneho an'ilay ""iray izay niendrika olona" (1:26).
"zanak'olombelona." Andriamanitra dia miantso an'i Ezekiela amin'izany mba hanamafisana fa olombelona ihany Ezekiela. Andriamanitra dia mahery ary velona mandrakizay, fa ny olona tsy tahaka izany. Adikao toy ny tao amin'ny 2:1 ity. DH: "olona mety maty" na "olombelona"
Ity dia maneho an'ilay horonan-taratasy izay nomen'Andriamanitra azy. (jereo ny 2:9)
Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "ireo vondrom-bahoaka Israelita"
Dikateny maro no manao hoe "ilay horonan-taratasy" na "ity horonan-taratasy ity."
Ny teny hoe "kibo" dia maneho ny faritry ny vatana izay afaka hitan'ny olona avy ety ivelany. Ny teny hoe "vavony" dia maneho ny taova anaty ao amin'ny kibo.
Mamy ny tantely, ary ilay horonan-taratasy dia mamy.
Ezekiela manohy milaza ny momba ilay fahitana izany hitany.
Raha mila mamaritra an'ilay iray izay miteny ny fiteninao, dia tsara indrindra raha atao hoe ilay "iray izay niendrika olona" (1:26) ilay miteny. Tsy "ilay Fanahy" izany.
Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "ireo vondrom-bahoaka Israelita" Adikao toy ny tao amin'ny 3:1.
"izay miteny amin'ny fiteny hafa na sarotra"
"tsy alefako any amin'ny firenena lehibe izay miteny amin'ny fiteny hafahafa ianao"
Ity dia tranga izay tokony nitranga saingy tsy nitranga. Tsy nalefan'i Yaveh tany amin'ny vahoaka izay tsy nahazo ny fiteniny i Ezekiela.
Ny hoe "izy ireo" dia maneho firenena lehibe hafa noho Israely.
"tena mpikomy" (UDB) na "tena mafiloha"
tsy vonona ny hiova
Ity dia manoro fa ny vahoaka dia manohitra an'Andriamanitra ary tsy vonona ny hankato Azy. Ny fo dia natao hamaritana ny faritra ao amin'ny vatana izay hisafidianan'ny olona an'izay tian'izy ireo atao. Adikao toy ny tao amin'ny 2:4.
Manohy miresaka amin'i Ezekiela ilay Fanahin'Andriamanitra.
Ny teny hoe "indro" eto dia mampiomana an'i Ezekiela mba hifantoka amin'ny fampahafantarana izay manaraka eo.
DH: "nataoko mafiloha tahaka azy ireo ianao"
Ny teny hoe "handrina" dia sarinteny ho an'ilay olona mihitsy. DH: "Efa nanamafy anao Aho mba tsy hijanona tsy hanao izay ataonao ianao"
"nataoko tahaka ny vato mafy indrindra ny handrinao, mafy kokoa noho ny afovato"
vato izay mafy tsara mba handrehetana afo amin'ny alalan'ny fikosohana izany amin'ny vy na vato hafa
Ity dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "Vondron'olona" Adikao toy ny tao amin'ny 2:4.
"tsarovy ireo ary henoy tsara"
Ny teny hoe "babo" dia maneho ny vahoakan'Israely izay nipetraka tany Babylona.
"vondron'olonao." Ezekiela dia nipetraka tany Joda talohan'ny nitondran'ireo Babyloniana azy tany Babylona.
Adikao toy ny tao amin'ny 2:4.
Ezekiela manohy milaza momba an'ilay fahitana izay hitany.
Ny dikanteny sasany dia mandray ny hoe "Hisaorana anie ... fitoerany!" ho teny izay nolazain'ilay horohoron-tany hoe: "nahare feona horohoron-tany lehibe tao aoriako aho, izay niteny hoe: 'Hisaorana anie ny voninahitr'i Yaveh avy eo amin'ny fitoerany!'" Ireo hafa mihevitra ny feon'ilay horohoron-tany ho feon'ny voninahitr'i Yaveh mandao ny fitoerany hoe: "rehefa nandao ny fitoerany ny voninahitr'i Yaveh, dia nahare feona horohoron-tany lehibe tao aoriako aho."
Tsy mazava raha avy amin'ilay horohoron-tany ilay feo, avy amin'ny feo izay mafy tahaka ny horohoron-tany, na avy amin'ireo elatra sy kodia. "feo izay tahaka ny feona horohoron-tany lehibe" na "feo niteny; tahaka ny feona horohoron-tany ilay feo" na "feo mikotrokotroka mafy"
Adikao toy ny tao amin'ny 1:27.
"feo mikotrokotroka mafy, lalina sy mahery tahaka ny feona horohoron-tany"
Toa tezitra Ezekiela satria nalefan'i Yaveh mba hiresaka amin'ireo Israelita natao sesitany izy, dia ireo izay nikomy nanohitra an'i Yaveh mihitsy. Na dia tokony hiresaka amin'izy ireo aza izy, dia nipetraka nangina nandritry ny fito andro, na dia nahatsaoa ny hatezeran'i Yaveh "manindry mafy" azy aza izy.
Ireo teny hoe "ngidy" sy "hatezerana" dia karazana fahatezerana. "Nangidy aho ary feno hatezerana ny fanahiko" na "tena nangidy sy tezitra mafy aho"
Ezekiela dia miresaka ny hatezerany amin'i Yaveh toy ny hoe nisy tsiro ratsy tao am-bavany satria noteren'i Yaveh hihinana zavatra izay ratsy tsiro izy.
Ezekiela dia miresaka alahelo sy harerahana satria nandidy azy hanao zavatra tsy tiany atao i Yaveh toy ny hoe manindry azy hianjera amin'ny tany i Yaveh.
Ireo mety ho heviny dia 1) ny teny hoe "tanana" matetika dia nampiasaina hanehoana ny fahefana na fihetsiky ny olona iray. DH: "ny fahefan'i Yaveh," na 2) fantatr'i Ezekiela fa tezitra taminy Yaveh satria tsy nankato an'i Yaveh izy tamin'ny firesahana tamin'ireo Israelita natao sesitany.
Tanàna any Babylona, eo amin'ny 80 kilometatra atsimo atsinanan'ny tanàn-dehibe, izay nantsoina koa hoe Babylona.
Ity dia renirano izay nohadian'ny vahoaka any Kaldea mba hanome rano ny sahan'izy ireo. Adikao toy ny tao amin'ny 1:1.
"tsy afaka nanao na inona na inona satria talanjona loatra aho"
Ezekiela milaza momban'ny zavatra niainany tany Telabiba.
"niresaka tamiko Yaveh." Adikao toy ny tao amin'ny 1:1.
Andriamanitra dia niteny an'i Ezekiela mba hampitandrina ny vahoakan'Israely tahaka ny hampitandreman'ny mpiambina ny vahoaka ao amin'ny tanàna iray raha misy fahavalo manatona, mba ho afaka hiomana sy voaaro tsara izy ireo.
Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "vondron'olona Israelita" Adikao toy ny tao amin'ny 3:1.
"fampitandremana ny ratsy fanahy mba hijanona amin'ny fanaovana ny asa ratsiny mba hahavelona azy"
"olona ratsy fanahy"
Fomba fiteny amin'ny fihazonana olona iray ho tompon'andraikitra na meloka amin'ny famonoana olona ity. DH: "ho entiko toy ny hoe namono azy ianao"
Ny hoe "asa ratsy" dia mitovy hevitra amin'ny hoe "faharatsiana." DH: "tsy mijanona amin'ny fanaovana zavatra ratsy izy."
Ireo mety ho heviny dia 1) "manao zavatra ratsy mba hitranga aminy" (UDB) na 2) "mampanota azy am-pahibemaso"
"ho faty toy ny mpanota izy" na "ho faty toy ny olo-meloka izy satria tsy nankato Ahy"
Fomba fiteny amin'ny fihazonana olona iray ho tompon'andraikitra na meloka amin'ny famonoana olona ity. DH: "ho entiko toy ny hoe namono azy ianao" Adikao toy ny tao amin'ny 3:16.
DH: "satria nampitandreminao izy"
Ny teny hoe "tanana" matetika dia nampiasaina mba hanehoana ny fahefana na fihetsik'olona iray. "ny tanan'i Yaveh"
Adikao toy ny tao amin'i 1:27.
Ity dia renirano izay nohadian'ny vahoaka Kaldea mba hanome rano ny sahan'izy ireo. Adikao toy ny tao amin'ny 1:1.
"niankohoka tamin'ny tany aho" na "nandry tamin'ny tany aho." Tsy nianjera tsinahy i Ezekiela. Nandry tamin'ny tany izy mba hampisehoana fa nanaja sy natahotra an'i Yaveh izy. Adikao toy ny tao amin'ny 1:27.
Raha mila mamaritra an'ilay miresaka ny fiteninao, dia tsara indrindra raha atao hoe "ilay niendrika toy ny olona" (1:26) ilay miteny. Tsy "ilay Fanahy" izany.
ity no fandikana ara-bakiteny tsara indrindra.
Manohy miresaka amin'i Ezekiela ilay Fanahy.
"faritra ambonin'ny aty vava"
"tsy ho afaka ny hiteny ianao"
Ity dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "Vondron'olona" Adikao toy ny tao amin'ny 2:4.
"ataoko ho afaka ny hiteny ianao"
"izay mandà ny hihaino dia tsy hihaino"
Adikao toy ny tao amin'ny 2:4.
1 "Fa ianao, ry zanak'olona, makà biriky ho anao ary apetraho eo anoloanao izany. Avy eo dia ataovy sokitra eo amin'izany ny tanànan'i Jerosalema. 2 Dia manaova fahirano hamelezana izany, ary manorena manda hanohitra izany. Manangàna tovon-tany fanafihana hamely izany ary mametraha toby manodidina azy. Ametraho andry vy fandravana manodidina izany. 3 Avy eo dia makà lapoaly vy ho anao ary ampiasao ho tahaka ny manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna izany ary ampanatreho izany ny tavanao, fa hatao fahirano izany, ary ianao no hanao fahirano izany. Izany no ho famantarana amin'ny ankohonan'Israely. 4 Avy eo, mandria amin'ny ilany ankavianao ary apetraho eo amin'izany ny fahotan'ny ankohonan'Israely; ianao no hitondra ny fahotan'izy ireo mandritry ny isan'ny andro handrianao hanohitra ny ankohonan'Israely. 5 Izaho mihitsy no manendry andro iray mba hanehoana ny taona tsirairain'ny famaizana azy ireo ho anao: 390 andro! Izany fomba izany, no hitondranao ny fahotan'ny ankohonan'Israely. 6 Rehefa fenonao ireo andro ireo, dia mandria fanindroany amin'ny ilanao havanana, fa hitondra ny fahotan'ny ankohonan'i Joda mandritry ny efapolo andro ianao. Manondro andro iray ho an'ny taona tsirairay ho anao Aho. 7 Atodiho manatrika an'i Jerosalema izay atao fahirano ny tavanao, ary maminania hanohitra azy amin'ny sandrinao tsy misarona. 8 Fa indro! Mametraka fatorana aminao Aho mba tsy hivadibadihanao amin'ny ilany iray ho amin'ny hafa ambara-pahafenonao ny andron'ny fahiranonao. 9 Makà varim-bazaha, vary hordea, tsaramaso, tsiasisa, apemba, ary spelta ho anao; apetraho ao anaty fasiana iray ihany ireo ary manaova mofo ho anao araka ny isan'ny andro izay handrianao amin'ny ilanao. Mandritry ny 390 andro no hihinananao izany. 10 Ny hanina izay hohaninao dia ho lanjan'ny sekely roapolo isan'andro, ary hohaninao amin'ny fotoana voatondro isan'andro avy izany. 11 Dia hisotro rano ianao, izay nafàtra tamin'ny ampahenin'ny hina, ary ho sotroinao amin'ny fotoana voatondro ihany koa izany. 12 Hohaninao tahaka ny mofomamy vita amin'ny vary hordea izany, saingy ho endasinao amin'ny kitay dikin'olona eo imason'izy ireo!" 13 Fa hoy Yaveh hoe: "Midika izany fa ny mofo izay hohanin'ny vahoakan'Israely dia haloto, any amin'ireo firenena izay handroahako azy ireo." 14 Fa hoy aho hoe: "Indrisy, ry Tompo Yaveh! Tsy mbola naloto mihitsy aho! Tsy mbola nihinana na zavatra maty na zavatra matin'ny biby, nanomboka tamin'ny fahatanorako ka hatramin'izao aho, ary tsy mbola niditra ny vavako ny hena maloto!" 15 Koa hoy Izy tamiko hoe: "Indro! Nomeko tain'omby ianao ho solon'ny dikin'olona mba hahafahanao mikarakara ny mofonao eo amin'izany." 16 Hoy ihany koa Izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona! Indro! Tapahiko ny famatsiana mofo ao Jerosalema, ary hihinana mofo eo am-pizarana izany amin'ny tebiteby izy ireo ary hisotro rano eo am-pizarana izany amin'ny fangovitana. 17 Satria ho ory mofo sy rano izy ireo, dia hihorohoro amin'ny rahalahiny ny olona rehetra ary hihalevona nohon'ny helok'izy ireo."
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela. Milaza an'i Ezekiela Izy mba haka biriky sy feta ary ampahana hazo ary hanao toy ny hoe Yaveh mamotika an'ilay tanànan'i Jerosalema izy.
"zanak'olombelona." Andriamanitra dia miantso an'i Ezekiela amin'ity mba hanamafisana fa olombelona ihany Ezekiela. Andriamanitra dia mahery ary velona mandrakizay, fa ny olona tsy tahaka izany. Adikao toy ny tao amin'ny 2:1 ity. DH: "olona mety maty" na "olombelona"
Mety mila ataonao mazava fa hanao sary sokitra Ezekiela. DH: "manao sary sokitra an'ilay tanànan'i Jerosalema"
"didino ilay tanàna mba hahazoana izany"
"manorena rindrina mahery hanoherana izany." Ireo rindrina dia hiaro ny vahoaka tsy hivoaka an'ilay tanàna.
"manorena fiakarana ivelan'izany ho an'ireo fahavalo mba hidirana." Jerosalema dia nanana manda nanodidina an'izany mba hiarovana ny vahoaka ao anatiny. Raha tsy manana fiakarana ireo fahavalo tsy afaka hianika an'ilay manda hiditra ao.
Ny hoe "andry vy fandravana" dia hazo lava na bao izay alain'ny lehilahy maro ao anaty tafika iray ary adona amin'ny rindrina na varavarana mba handrodanan'izy ireo an'izany sy miditra ao. "Manaova bao lehibe manodidina an'izany izay ampiasain'ny olona mba handravana vavahady sy miditra ao anatiny"
"mijere izany amin'ny endrika tezitra"
Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "vondron'olona Israelita" Adikao toy ny tao amin'ny 3:1.
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela.
Ireo mety ho heviny dia 1) "mitondra an'ohatra ny sazin'ny fahotan'ireo Israelita" (jereo ny UDB)
Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny ho an'ny fianakaviana mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "ny vondron'olona Israelita" Adikao toy ny tao amin'ny 3:1.
Ireo mety ho heviny dia 1) "ho meloka amin'ny fahotan'izy ireo ianao" na 2) "ho saziana nohon'ny fahotan'izy ireo ianao." Na iza na iza amin'ireo hevitra ireo dia ho aseho "an'ohatra" amin'ny alalan'i Ezekiela araka ny voamarika ao amin'ny UDB.
"mandry manatrika ny fanjakan'Israely amin'ny fomba feno fankahalana."
Fandikana hafa: "Izaho mihitsy no mandidy anao mba handry mihorirana mandritry ny isan'ny andro mitovy ny isan'ny taona izay hanasaziako azy ireo."
Ireo mety ho heviny dia 1) ny taona tsirairay izay hanasaziako azy ireo nohon'ny fahotan'izy ireo na 2) ny taona tsirairay izay nanotan'izy ireo.
Ilay Fanahy manohy miresaka amin'i Ezekiela.
ireo andro izay handrian'i Ezekiela amin'ny ilany havanana mba hanehoana ny fahirano amin'ny fanjakan'Israely.
Ireo mety ho heviny dia 1) "ianao dia ho meloka amin'ny fahotana" na 2) "ho voasazy nohon'ny fahotana ianao." Na iza na iza amin'ireo hevitra ireo dia ho aseho "an'ohatra" amin'ny alalan'i Ezekiela araka ny vaoamarika ao amin'ny UDB. Misy teny mitovy hita ao amin'ny 4:4.
Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny ho an'ny fianakaviana mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo taranak'i Joda an-taona maro. DH: "vondron'olona Joda" na "ny vahoakan'i Joda" Misy teny mitovy hita ao amin'ny 3:1.
"Hampanaoviko izany andro iray isan-taona izay hanasaziako azy ireo ianao."
"maminania momba ireo zavatra ratsy izay hitranga amin'i Jerosalema"
"jereo" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
Ny fatorana dia tady na rojo vy izay mihazona olona iray tsy hihetsika. Tsy mazava tsara raha toa ka sarinteny ho an'ny zavatra iray izay ataon'i Yaveh ny hoe "fatorana" ka toy ny hoe namatotra an'i Ezekiela Izy (UDB) na raha nampiasa tady ara-bakiteny, na ara-batana Izy.
Manohy miresaka amin'i Ezekiela ilay Fanahy.
Ireo dia karazana voa samihafa.
Izany dia toy ny tsaramaso, fa tena kely, boribory, ary somary fisaka ny voany.
"sekely 20 isan'andro." DH: "mofo 200 grama isan'andro"
"hina 1/6" na "eo amin'ny iray litatra sy tapany eo" (UDB).
Manohy miresaka amin'i Ezekiela ilay Fanahy.
ilay mofo (4:9)
mofomamy fisaka vita amin'ny vary hordea (4:9)
"hahandro izany eo amin'ny afo vita amin'ny vongan-tain'olona ianao." Ny fiteninao dia mety manana fomba mihaja kokoa hilazana ity.
handefasako azy ireo amin-kery.
Ezekiela dia tena mikorontana amin'izay nasain'ny Tompo ataony. "tsy hety amiko ny hanao izany"
Adikao toy ny tao amin'ny 2:4. Eto Ezekiela dia miresaka amin'ny Tompo.
Ity dia maneho ny hena izay maloto satria avy amin'ny biby izay matin'ny aretina na fahanterana na novonoin'ny biby hafa. Ny teny hoe "maloto" dia mampiseho ny rikorikony amin'ny hena tahaka izany. "hena maloto, maharikoriko"
"tsy mbola nihinana hena maloto mihitsy aho"
"Henoy" na "mifantoha amin'ny zavatra manan-danja izay ho lazaiko anao izao"
"homeko alalana hampiasa tain'omby ianao"
vonga-tay avy amin'ny omby. Ny fiteninao dia mety manana fomba mihaja hilazana izany.
vonga-tay avy amin'ny olona. Ny fiteninao dia mety manana fomba mihaja hanehoana izany. Adikao toy ny tao amin'ny 4:12.
"jereo" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
"ho hajaniko ny famatsiana sakafo ao Jerosalema."
Ny mofo dia maneho ny karazan-tsakafo rehetra. DH: "ny famatsiana sakafo"
Hevitra hafa, izay mampifandray ny hoe "ho tsy ampy mofo sy rano izy ireo" amin'ny hoe "ho tapahiko ny famatsiana mofo" ny hoe "Jerosalema—hihinana .. am-pangovitana izy ireo—ka"
"hizara tsara ny mofony izy ireo satria matahotra sao tsy ho ampy"
fanomezana ampahan-javatra kely izay tsy ampy ho an'olona maro be
"mangovitra eo am-pizarana izany" na "mizara izany ao anaty tahotra"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny olona rehetra dia hijery ny rahalahiny ary hatahotra ny amin'ny habetsaky ny sakafo nohanina sy nolanian'ny rahalahiny" na 2) "ny tsirairay amin'izy ireo dia ho raiki-tahotra sy hihalevona"
Ity teny ity matetika dia nampiasaina amin'ny nofo na hazo mihalo. Eto izany dia sarinteny ho an'ny olona ratsy fanahy lasa mahia sy maty satria tsy manana sakafo izy ireo.
1 "Avy eo ianao, ry zanak'olona, makà sabatra maranitra tahaka ny fanaratana volombava ho anao, ary hampandalovy eo amin'ny lohanao sy ny volombavanao ilay fanaratana, avy eo alaivo ny mizana mba handanjana sy hanasarahana ny volonao. 2 Dory amin'ny afo eo afovoan'ny tanàna ny ampahatelon'izany rehefa tanteraka ireo andron'ny fahirano, ary alaivo ny ampahatelon'ny volo ka tapaho amin'ny sabatra manodidina ny tanàna rehetra izany. Ary aparitaho amin'ny rivotra ny ampahatelon'izany, ary hamoaka sabatra henenjehana ireo vahoaka Aho. 3 Fa makà isam-bolo kelikely amin'izy ireo ka fatory eo amin'ny sisin'akanjonao ireo. 4 Avy eo dia makà volo maromaro kokoa ka atsipazo eo afovoan'ny afo izany; ary dory ao amin'ny afo izany; fa hisy afo hivoaka avy eo ho any amin'ny ankohonan'Israely rehetra." 5 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: "Ity no Jerosalema eo afovoan'ireo firenena, izay nametrahako azy, sy nanodidinako azy tamin'ny tany hafa. 6 Kanefa nandà ny lalàko tamim-paharatsiana mihoatra izay ananan'ny firenena izy, ary ny didiko mihoatra ireo tanàna izay manodidina azy. Efa nandà ny fitsaràko ny vahoaka ary tsy nandeha tamin'ireo lalàko." 7 Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: "Satria ianao manahirana kokoa noho ireo firenena izay manodidina anao ary tsy nandeha tamin'ny lalàko na niasa araka ny didiko, na niasa arak'ireo didin'ny firenena izay manodidina anao," 8 noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: "Indro! Hiasa hanohitra anao Aho. Hanatanteraka fitsaràna eo afovoanao Aho mba ho jeren'ireo firenena. 9 Hataoko aminao izay tsy mbola nataoko ary ny mitovy amin'izany dia tsy hataoko intsony, noho ireo asa maharikorikonao rehetra. 10 Noho izany dia hihinana ny zanaka eo afovoanareo ny ray, ary ireo zanaka hihinana ny rainy, satria hanatanteraka fitsaràna eo aminareo Aho ary hampiely anareo rehetra izay tavela ho amin'ny lalana rehetra. 11 Noho izany, raha mbola velona koa Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—izany dia satria nandoto ny fitoerako masina tokoa ianao miaraka amin'ireo zavatra maharikoriko sy ireo asanareo maharikoriko rehetra, fa Izaho mihintsy no hampihena isa anareo; tsy hanana fiantrana aminareo ny masoko, ary tsy hitsitsy anareo Aho. 12 Ny ampahatelonareo dia ho fatin'ny areti-mandringana, ary ho fatin'ny mosary eo afovoanao izy ireo. Ny ampahatelony dia ho lavon'ny sabatra manodidina anao. Ary avy eo dia hanaparitaka ny ampahatelony eny amin'ny lalana rehetra Aho, ary hamoaka sabatra hanenjehana azy ireo ihany koa. 13 Ary dia ho tanteraka ny fahatezerako, ary hahatonga ny fahatezerako eo amin'izy ireo Aho mba hitsahatra. Ho afa-po Aho, ary ho fantatr'izy ireo fa Izaho, Yaveh, dia efa niresaka tamim-pahatezerana rehefa nahatanteraka ny fahatezerako tamin'izy ireo Aho. 14 Hataoko ho faharavana sy fahafaham-baraka eo amin'ny firenena izay manodidina anao ianao eo imason'ny olona rehetra izay mandalo. 15 Ka ho lasa zavatra fanamelohana sy fanitsiratsirana ho an'ny olona hafa i Jerosalema, fampitandremana sy fampihorohoroana ho an'ireo firenena izay manodidina anareo. Hanatanteraka ny fitsaràna hanohitra anao am-pahatezerana sy am-pahavinirana, sy am-pitenenana mafy Aho—Izaho, Yaveh dia efa nanambara izany! 16 Handefa tsipìka mafin'ny mosary hanohitra anareo Aho izay ho lasa antony hanimbako anareo. Fa hampitombo ny mosary eo aminareo Aho ary hanapaka ny famatsiana mofonareo. 17 Handefa mosary sy loza hanohitra anareo Aho ka tsy hanan-janaka ianareo. Ny areti-mandringana sy ny rà dia handalo aminareo, ary hitondra ny sabatra hamely anareo Aho— Izaho, Yaveh, no efa nanambara izany."
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela. Ny hoe "ilay tanàna" rehetra dia maneho an'ilay "tanàna" izay nataon'i Ezekiela sokitra teo amin'ny biriky (4:1).
"zanak'olombelona." Andriamanitra dia miantso an'i Ezekiela amin'ity mba hanamafisana fa olombelona ihany Ezekiela. Andriamanitra dia mahery ary velona mandrakizay, fa ny olona tsy tahaka izany. Adikao toy ny tao amin'ny 2:1 ity. DH: "olona mety maty" na "olombelona"
"hareza fanapahana volo"
"harato ny lohanao sy ny tavanao" na "esory amin'ny lohanao ny volonao ary ny volom-bavanao amin'ny tavanao"
"dory ny ny ampahatelon'izany"
"rehefa tapitra ny andron'ny fahiranon'i Jerosalema" na "rehefa tapitra ny fotoana hampisehoanao ny fomba hanaovana fahirano an'i Jerosalema"
"alaivo ny iray amin'ireo antontam-bolo telo"
"ary veleso amin'ny sabatrao manerana ny tanàna rehetra izany"
"avelao ny rivotra hitsoka ny ampahatelony farany amin'ny volonao any amin'ny lalana samihafa"
Ny teny hoe "sabatra" dia sarinteny ho an'ireo miaramila fahavalo izay hanafika amin'ny sabatr'izy ireo, ary ny hoe "hamoaka sabatra" dia ny fandefasana ny fahavalon'izy ireo hanenjika azy ireo sy hanafika azy ireo amin'ny sabatra"
"hamoaka sabatra avy ao amin'ny fitoerany ao"
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela.
Nila nanao ity Ezekiela rehefa nanaratra ny volony sy ny volom-bavany (5:1) s mialohan'ny nandoroany an'ilay volo (5:1). Mety mila ataonao eo aloan'ireo andalana ireo ireto andalana ireto. "Fa rehefa manaratra ny volonao sy ny volom-bavanao ianao, ary mialohan'ny handoroanao izany, dia makà ... Rehefa voaparitakao eny amin'ny rivotra ireo volo, dia makà"
"volo vitsivitsy amin'ireo antontany"
Ny teny hoe "ireo" dia maneho an'ireo volo. Ireo mety ho heviny dia 1) lava be ilay volo ka afaka nofatoran'i Ezekiela ireo na 2) nila nanjaitra an'ireo volo Ezekiela na namatotra azy ireo 3) nila nametraka ireo volo mivaha teo amin'ny sisin'ny akanjony i Ezekiela.
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny akanjo eo amin'ny tananao" ("ny lobakao") (UDB) na 2) "ny moron'akanjonao" ("ny moron-tongotrao") na 3) ny moron'akanjo izay eo amin'ny fehin-kibo.
"hisy afo hiparitaka avy eo ary handoro ny vahoakan'Israely rehetra." Yaveh dia miresaka ny fomba hanasaziany an'Israely toy ny hoe andeha handrehitra afo eo amin'ny trano sy eo amin'ny vahoakan'Israely Izy toy ny hoe fianakaviana izay mipetraka ao amin'izany trano izany izy ireo saingy tany ivelan'ilay trano tamin'izay fotoana izany.
Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ny trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "ny vondron'olona Israelita" Adikao toy ny tao amin'ny 3:1.
Yaveh manohy miresaka.
Adikao toy ny tao amin'ny 2:4.
"Ity sary sokitra ity dia maneho an'i Jerosalema" (4:1)
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo firenena hafa dia teo amin'ireo lafin'i Jerosalema rehetra na 2) "manan-danja kokoa noho ireo firenena hafa rehetra."
Jerosalema eto ilay hoe "azy"
"ireo firenena manodidina" na "ireo firenena manodidina azy"
"efa nandà ny hankatoa ireo fitsaràko ny vahoakan'Israely sy Jerosalema."
Yaveh manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely sy Joda.
Adikao toy ny tao amin'ny 2:4.
"satria ny otanao dia ratsy kokoa noho" na "satria ianao dia maditra noho"
"izay manodidina anao rehetra"
ny mandeha dia sarinteny ho an'ny fomba fiainan'ny olona iray. DH: "tsy niaina araka ireo lalàko" na "tsy nankato ireo lalàko"
"na nankato ireo didiko"
"jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
"hitsara anao amin'ny fomba isan-karazany Aho" na "hanasazy anao Aho" (UDB).
Yaveh manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely sy Jerosalema.
"araka izay tsy mbola nataoko teo aloha sy tsy ho ataoko amin'ny fomba mitovy intsony" na "tahaka izay tsy nataoko mihitsy teo aloha ary tsy ho ataoko intsony mihitsy" (UDB).
"noho ireo zavatra maharikoriko rehetra izay ataonao." Tezitra Andriamanitra satria nanompo sampy sy andriamanitra sandoka ny vahoaka.
Ezekiela dia mety milaza izay tena hitranga marina rehefa tsy manana sakafo ny vahoaka.
"hitsara anareo Aho" na "hanasazy mafy anareo Aho" (UDB)
"ary ho tereko handeha any amin'ny toerana samihafa ianareo rehetra izay tavela"
Yaveh manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely sy Joda.
ireo mety ho heviny dia 1) Yaveh dia miresaka ny tenany toy ny hoe olona hafa Izy DH: "Aho—Izaho, Tompo Yaveh, dia manao izao fanambarana izao—izany" na 2) Ezekiela dia mampatsiahy an'ireo mpamakiny fa milaza ny tenin'i Yaveh izy DH: "Aho'—izany no fanambaran'i Yaveh—'izany"
Adikao toy ny tao amin'ny 2:4.
nandrava ny toerana izay natokan'i Yaveh ho amin'izay ilainy fotsiny,
"miaraka amin'ireo zavatrareo izay halako." Mety mila ataonao mazava tsara fa ity dia maneho an'ireo sampy: "miaraka amin'ireo sampy izay halako" na "miaraka amin'ireo sampy maharikorikonareo" (UDB).
"miaraka amin'ireo zavatra maharikoriko rehetra izay ataonao"
Ny teny hoe "maso" dia sarinteny ho an'i Yaveh. DH: "Tsy hiantra anareo Aho"
"azo antoka fa hanasazy anareo Aho"
"maro amin'izy ireo no ho faty nohon'ny mosary"
Yaveh manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely sy Joda.
"tsy ho tezitra intsony Aho satria ho nahavita ny zavatra rehetra izay niriako atao satria tezitra Aho"
Ny teny hoe "fahatezerana" dia midika hoe hatezerana mafy, ary eto izany dia maneho ny fanasaziana. "hijanona amin'ny fanasaziana azy ireo Aho satria ho nanasazy tanteraka azy ireo Aho."
"ho afa-po Aho fa nanasazy tsara azy ireo"
"rehefa avy nanasazy azy ireo Aho"
Yaveh manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely sy Joda.
Ireo teny hoe "hatezerana" sy "havinirana" dia manana hevitra mitovy ary manamafy ny hamafin'ny hatezerana. DH: "satria ho tezitra mafy aminareo Aho."
"mosary mahery vaika"
Ny hoe "famatsiana" dia zavatra izay niankinan'ny olona mba hizaka azy ireo. Io fehezanteny io dia sarinteny izay midika hoe "manala ny famatsiana sakafo izay hiankinanareo." DH: "hanapaka ny famatsian-tsakafonareo" (UDB). Jereo ny fomba nandikana ny hoe "famatsiana mofo" tao amin'ny 4:16.
"handalo eo aminareo ny areti-mandringana sy fahafatesana mahery vaika." Io fahafatesana mahery vaika io dia ho vokatry ny ady.
1 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Ry zanak'olona, ataovy manatrika an'ireo tendrombohitr'Israely ny tavanao ary maminania amin'izy ireo. 3 Lazao hoe: 'Ry tendrombohitr' Israely, henoy ny tenin'ny Tompo Yaveh! Izao no lazain'ny Tompo Yaveh amin'ireo tendrombohitra sy amin'ireo havoana, amin'ireo lakan-drano, sy amin'ireo lohasaha: Indro! Mitondra sabatra manohitra anareo Aho, ary handrava ireo fitoerana avonareo. 4 Dia ho lao ireo alitaranareo ary ho rava ireo andrinareo, ary hariako manoloana ireo sampin'izy ireo ny fatinareo. 5 Hametraka ny fatin'ny zanak'Israely eo anoloan'ny sampin'izy ireo Aho, ary hanaparitaka ny taolanareo manodidina ny alitaranareo. 6 Na aiza na aiza onenanareo, dia ho foana ireo tanàna ary haongana ireo fitoerana avo, koa ho foana ny alitaranareo ary ho lao. Dia ho potika izy ireo ary hanjavona, hazera ireo andrinareo ary ho fafana ireo asanareo. 7 Hianjera eo afovoanareo ny faty dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh. 8 Fa hihazona sisa eo aminareo Aho, ary hisy sasany ho tafatsoaka amin'ny sabatra eo amin'ireo firenena, rehefa miely eraky ny tanàna ianareo. 9 Avy eo ireo izay nitsoaka hieritreritra Ahy eo amin'ireo firenena izay hihazonana azy ireo ho babo, fa Izaho dia nalahelo tamin'ny fivadibadihan'ny fon'izy ireo izay niodina tamiko, ary tamin'ny mason'izy ireo izay nijangajanga nanaraka ireo sampin'izy ireo. Dia hampiseho rikoriko eny amin'ny tavan'izy ireo tamin'ny faharatsiana izay nataon'izy ireo niaraka tamin'ny fahavetavetany rehetra izy ireo. 10 Ka dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh. Izany no antony nilazako fa hitondra ity ratsy ity eo amin'izy ireo Aho. 11 Ny Tompo Yaveh milaza izao: Mitehafa ary ajadony ny tongotrareo! Lazao hoe: 'Indrisy!' nohon'ny fahavetavetana ratsin'ny ankohonan' Israely rehetra! Fa ho lavon'ny sabatra, mosary, ary areti-mandringana izy ireo. 12 Izay lavitra dia ho fatin'ny areti-mandringana, ary izay akaiky dia ho lavon'ny sabatra. Ireo izay sisa sy mbola velona dia ho fatin'ny mosary. Hanatanteraka ny hatezerako amin'izy ireo amin'ny lalany Aho. 13 Dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh, rehefa ny fatin'izy ireo no hiampatra eo amin'ny sampin'izy ireo, manodidina ny alitaran'izy ireo, eny amin'ny tany havoana rehetra— ambonin'ireo tendron'ny tendrombohitra rehetra, ary ambanin'ny hazo misandrahaka rehetra sy hazo terebinta matevina—ireo toerana izay nandoroan'izy ireo ditin-kazo manitra ho an'ireo sampin'izy ireo rehetra. 14 Hamely amin'ny tanako Aho ary hametraka ny tany ho lao sy foana, avy any amin'ny tany efitra ka hatrany Dibla, manerana ny toerana rehetra izay onenan'izy ireo. Dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh." [1]
Yaveh milaza amin'i Ezekiela mba hiresaka amin'ireo tendrombohitra toy ny hoe olona ireo mba handre ireo teny ny vahoakan'Israely ary hahafantatra fa ho azy ireo ny tenin'i Ezekiela.
"niresaka tamiko Yaveh." Adikao toy ny tao amin'ny 1:1.
"zanak'olombelona." Andriamanitra dia miantso an'i Ezekiela amin'ity mba hanamafisana fa olombelona ihany Ezekiela. Andriamanitra dia mahery ary velona mandrakizay, fa ny olona tsy tahaka izany. Adikao toy ny tao amin'ny 2:1 ity. DH: "olona mety maty" na "olombelona"
"jereo amin'ny endrika tezitra ireo tendrombohitr'Israely." Misy teny mitovy hita ao amin'ny 4:1.
"ireo tendrombohitra any amin'ny tanin'Israely."
"jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anareo!"
Adikao toy ny tao amin'ny 2:4.
Ny teny hoe "sabatra" eto dia maneho ny ady. DH: "Mitondra ady manohitra anareo Aho" na "hitondra miaramila fahavalo manohitra anareo Aho."
Ireo dia tenin'i Yaveh amin'ireo vahoakan'Israely.
"Tsy hisy na iza na iza hanompo any amin'ireo aliataranareo intsony ary ny fahavalonareo dia handrava an'ireo andrinareo"
Yaveh dia niresaka fandefasana miaramila (6:1) mba hanao ireo zavatra ireo. DH: "handefa miaramila Aho mba hanary ... ho apetrak'izy ireo ... ary haparitaka."
"ireo vahoakanao izay maty"
Ireo dia tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely.
"ho foanan'ireo tafika fahavalo ny tanànanareo"
"ho potika ny alitanaranareo" na "hamotika azy ireo ny tafika fahavalo."
"ho tapahan'izy ireo ny andrinareo." Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "andry" tao amin'ny 6:4.
"tsy hisy hahatsiaro izay vitanareo"
"ho hitanareo mamono olona maro ny fahavalo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "takatrareo hoe iza, Izaho, Yaveh" na 2) "takatrareo fa Izaho no Yaveh, ilay Andriamanitra marina tokana" na 3) "fantatrareo fa Izaho, Yaveh, dia manana fahefana hanao ireo zavatra ratsy izay lazaiko fa ho ataoko." (UDB)
Ireto no tenin'i Yaveh tamin'ny vahoakan'Israely.
"sasany izay tsy maty tany an'ady." Ny sabatra dia maneho ny fahafatesana any an'ady.
"rehefa mandeha mipetraka any amin'ny firenena samihafa ianareo"
Yaveh dia miresaka ny amin'ireo Israelita toy ny hoe vehivavy izay miara-mandry amin'ny olona maro izy ireo. DH: "Nalahelo Aho satria izy ireo dia tahaka ny vady izay nandao Ahy mba hiara-mandry amin'ny lehilahy hafa"
Yaveh dia miresaka ny amin'ireo Israelita toy ny hoe vehivavy manambady izay mijery lehilahy hafa izy ireo ary maniry ny hiara-mandry amin'izy ireo. DH: "ary naniry mafy ny hanompo sampy izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "hankahakala ny tenany izy ireo nohon'ny zavatra ratsy izay nataon'izy ireo" na 2) "hankahala an'ireo zavatra ratsy izay nataony izy ireo." DH: "Ny tavan'izy ireo dia hampiseho ny fankahalan'izy ireo an'ireo faharatsiana izay nataon'izy ireo."
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela.
Adikao toy ny tao amin'ny 2:4.
Ezekiela dia nila nanao ity fihetsika famantarana ity mba hisintonana ny fifantohan'ny olona. Tsy fitehafana ity.
Ny teny hoe "indrisy" dia nampiasaina mba hanehoana alahelo.
Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "ny vondron'olona Israelita" Adikao toy ny tao amin'ny 3:1.
"Fa ho fatin'ny sabatra, mosary, ary areti-mandringana izy ireo." Ny "sabatra," "mosary" ary "areti-mandringana" no karazana fomba hahafatesan'izy ireo. Ny teny hoe "sabatra" dia maneho ny ady.
"hanome fahafaham-po ny hatezerako amin'izy ireo Aho"
Ireto no tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely.
Ireo mety ho heviny dia 1) "ho takatrareo hoe iza Izaho, Yaveh" na 2) "ho takatrareo fa Izaho, Yaveh, no Andriamanitra marina tokana" na 3) "ho tsapanareo fa Izaho, Yaveh, no nanao izany" (UDB).
Mety ho dikany hafa ny hoe "manodidina ny alitaran'izy ireo, izay eny amin'ireo tany havoana rehetra"
Mety ho dikany hafa ny hoe "havoana, eny amin'ireo tendron'ny tendrombohitra rehetra, eny ambanin'ireo hazo misandrahaka rehetra, ary ambanin'ny hazo terebinta rehetra."
salama sy mitombo
hazo lehibe miaraka amin'ny hazo mafy izay manome alokaloka ho an'ireo mpidera.
Ny lahatsoratra sasany teo aloha manao hoe Ribla. Izany dia anaran-tanàna iray any avaratra.
1 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Ianao, ry zanak'olona—izao no lazain'ny Tompo Yaveh amin'ny tanin'Israely." 'Fiafarana! Tonga amin'ireo vazan-tany efatra ny fiafarana. 3 Ankehitriny dia eo aminao ny fiafarana, satria handefa ny hatezerako aminao Aho, ary hitsara anao araka ireo fombanao; ary hitondra ireo fahavetavetanao rehetra eo aminao Aho. 4 Fa tsy hiantra anao ny masoko, ary tsy hamindra fo anao Aho. Fa kosa, ho entiko eo aminao ireo fombanao, ary ho eo anivonao ireo fahavetavetanao, ka ho fantatrao fa Izaho no Yaveh. 5 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Loza! Loza tsy misy toy izany! Indro, ho avy izany. [1]6 Ho avy tokoa ny fiafarana. Nifoha hanohitra anao ny fiafarana. Indro, avy izany! 7 Ho avy aminao izay monina amin'ny tany ny fiafarana ratsinao. Tonga ny fotoana; efa akaiky ny andron'ny faharavana, ary ireo tendrombohitra dia tsy ho faly intsony. 8 Ary tsy ho ela dia handraraka ny hatezerako aminao sy hameno ny havinirako aminao Aho rehefa hitsara anao araka ireo fombanao sy hitondra ireo fahavetavetanao rehetra eo aminao Aho. 9 Fa ny masoko dia tsy hijery am-pangorahana, ary tsy hamindra fo anao Aho. Araka izay nataonao, no ho ataoko aminao; ary ireo fahavetavetanao dia ho eo anivonao ka hahafantatra ianao fa Izaho no Yaveh, ilay iray manasazy anao. 10 Indro, ny andro! Indro, tonga izany! Ho avy ny fiafarana ratsy! Mandrobona ny rantsan-kazo, mitsimoka ny avonavona! 11 Nitombo teo amin'ny rantsan-kazon'ny faharatsiana ny herisetra—tsy misy amin'izy ireo, ary tsy misy amin'ny vahoakan'izy ireo, tsy misy amin'ireo hareny, ary tsy misy amin'ireo manan-danjan'izy ireo haharitra! 12 Ho avy ny fotoana; efa manakaiky ny andro. Aza avela hifaly ny mpividy, na ny mpivarotra hisaona, satria eo amin'ny vahoaka rehetra ny hatezerako! 13 Fa ny mpivarotra dia tsy hamerina mandrakizay izay efa lafo, raha mbola velona koa izy ireo, satria manohitra ny vahoaka rehetra ilay fahitana. Tsy hiverina izy ireo, satria tsy misy olona mivelona amin'ny fahotany ho atanjahana. 14 Nitsoka ny trompetra izy ireo ary nanomana ny zavatra rehetra, kanefa tsy misy miroso mba hiady; satria amin'ny vahoaka rehetra ny hatezerako. 15 Ny sabatra dia amin'ny any ivelany, ary ny areti-mandringana sy ny mosary dia ao anatin'ny trano be. Ireo izay any an-tsaha dia ho fatin'ny sabatra, raha hanimba ireo ao amin'ny tanàna kosa ny mosary sy ny areti-mandringana. 16 Fa ireo sisa velona sasany dia handositra avy eo amin'izy ireo, ary ho any an-tendrombohitra izy ireo. Tahaka ireo voromailala eny amin'ireo lohasaha, dia hitolokoloko izy rehetra—ny olona tsirairay nohon'ny helony avy. 17 Hiozongozona ny tanana rehetra ary halemy tahaka ny rano ny lohalika rehetra, 18 ary hanao akanjo fisaonana izy ireo, ary hanarona azy ireo ny horohoro; ary ho eo amin'ny tava rehetra ny henatra, ary ny fahasolàna ho amin'ny lohan'izy rehetra. 19 Hanipy ny volafotsin'izy ireo eny amin'ny lalana izy ireo ary ny volamenan'izy ireo dia ho tahaka ny fako. Ny volafotsy sy ny volamenan'izy ireo dia tsy ho afaka hanavotra azy ireo amin'ny andron'ny fahatezeran'i Yaveh. Tsy ho voavonjy ny ain'izy ireo, ary tsy ho voky ny hanoanan'izy ireo, satria ny helony dia lasa vato manafintohina. 20 Amin'ny avonavony no hakan'izy ireo ny hatsaran'ireo firavany voaravaka, ary amin'ireo no hanaovan'izy ireo ny sary fahavetavetan'izy ireo, sy ireo zavatra maharikorikon'izy ireo. Noho izany, dia havadiko ho zavatra maloto aminy ireo zavatra ireo. 21 Avy eo dia hatolotro ho babo eo an-tanan'ireo vahiny ary ho babo eo amin'ireo ratsy fanahin'ny tany ireo zavatra ireo, ka handoto ireo izy ireo. 22 Dia hanodina ny tavako amin'izy ireo Aho rehefa mandoto ny toerana sarobidiko izy ireo; hiditra ao ireo jiolahy ka handoto izany. 23 Manaova rojo, satria ny tany dia feno ny fitsaran'ny rà, ary ny tanàna dia feno herisetra. 24 Koa hitondra ireo ratsy fanahy indrindra amin'ireo firenena Aho, ary ho fananan'izy ireo ny tranony, ary hamarana ny avonavon'ny mahery Aho, fa ho voaloto ireo toera-masin'izy ireo! 25 Ho avy ny tahotra! Hitady fiadanana izy ireo, kanefa tsy hisy izany. 26 Loza miampy loza no ho avy, ary hisy tsaho miampy tsaho. Dia hitady fahitana avy amin'ny mpaminany izy ireo, kanefa ny lalàna dia ho simba avy amin'ireo mpisorona ary ny torohevitra avy amin'ireo zokiolona. 27 Ny mpanjaka dia hisaona ary ny andrian-dahy hitafy famoizam-po, raha toa ka hangovitry ny tahotra ny tanan'ireo vahoakan'ny tany. Araka ny fomban'izy ireo ihany no hanaovako izany amin'izy ireo! Hitsara azy ireo araka ny fanaony Aho mandra-pahafantaran'izy ireo fa Izaho no Yaveh."'
Ity dia manomboka ny faminanian'Andriamanitra ny fitsaràna an'Israely.
"Niresaka tamiko Yaveh." Adikao toy ny tao amin'ny 1:1.
"Ianao ry zanak'olona, mifantoha amin'izay ho lazaiko"
"zanak'olombelona." Andriamanitra dia miantso an'i Ezekiela amin'ity mba hanamafisana fa olombelona ihany Ezekiela. Andriamanitra dia mahery ary velona mandrakizay, fa ny olona tsy tahaka izany. Adikao toy ny tao amin'ny 2:1 ity. DH: "olona mety maty" na "olombelona"
Adikao toy ny tao amin'ny 2:4.
"amin'ny vahoakan'Israely."
"Tonga ny fiafarana!"
Ireto no tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely.
"tapitra ny fiainanao" na "tonga ny fiafaran'ny fotoanao"
"araka ireo zavatra izay ataonao" na "noho ireo zavatra ratsy izay ataonao"
"hataoko miaina an'ireo vokatry ny fitondrantena maharikorikoanao Aho" na "hanasazy anao nohon'ny fanaovana an'ireo zavatra izay halako mafy ireo Aho"
Ity dia maneho ny fitondratena izay halan' Andriamanitra.
"Fa tsy hijery anao amin'ny famindram-po Aho"
"hataoko miaina ny vokatr'ireo fitondrantena ratsinao ianao" na "ho saziako noho ireo zavatra ratsy izay ataonao ianao."
1) "hanodidina anao ny vokatry ny fitondratena maharikorikonao" na 2) "hiaraka aminao ireo sampinao ary tsy hanam-pahefana." Ny fahavetavetana eto dia maneho ny fanasaziana nohon'ny fitondratena izay halan'Andriamanitra, na ny sampin'izy ireo, izay halan'Andriamanitra.
Ireto no tenin'i Yaveh tamin'i vahoakan'Israely.
Adikao toy ny tao amin'ny 2:4.
Natao ireo mba hanamafisana an'ilay andalana. DH: "Indro, misy loza mahatsiravina ho avy, izay tsy mbola nisy niaina teo aloha."
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy fanamafisana an'izay manaraka. Fandikana hafa: "jereo" na "henoy" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao."
Ny fitsarana izay ho avy dia raisina toy ny hoe fahavalo izay nifoha tamin'ny torimaso.
"tsy hanana fifaliana intsony ireo olona eny amin'ny tendrombohitra."
Ireto no tenin'i Yaveh tamin'ny vahoakan'Israely.
Yaveh dia mampiasa voambolana hoe "madraraka" sy "mameno" mba hampitahana ny fihetsiny an-katezerana amin'ny fandrarahana rano sy famenoana siny. Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy hevitra ary manamafy ny fahasarotam-pon'ny fanasazian'i Yaveh. DH: "hanasazy mafy anao Aho satria tena tezitra mafy Aho."
Ny hoe "ny masoko" dia midika hoe Andriamanitra mihitsy. "Fa tsy hijery am-pangorahana Aho"
"tsy handao anao ho tsy nanasazy anao Aho" na "hanasazy anao Aho"
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 7:3.
Ireto no tenin'i Yaveh momba an'Israely.
DH: "jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
"tonga ny andro fanasaziana anao."
Ity dia maneho ny antoka fa ho avy amin'Israely ny loza. DH: "Nanomboka tonga teo amin'Israely ny loza" na "nisy zavatra mahatsiravina nanomboka nitranga."
"Nanomboka naniry teo amin'ny rantsan-kazo ny voninkazo ary naniry avonavona be izany." Eto ny rantsan-kazo dia maneho an'Israely na ny herisetra. Ireo mety ho heviny dia 1) "lasa niavonavona ny vahoakan'Israely" na "lasa mahery setra sy tena miavonavona ny vahoakan'Israely."
"Ny herisetran'ny vahoaka dia nitarika azy ireo hanao zavatra ratsy maro kokoa"
Ireto no tenin'i Yaveh momba an'Israely.
Ny hoe "fotoana" sy "andro" dia samy maneho ny fotoana hanasazian'Andriamanitra ny vahoakan'Israely. Fandikana hafa: "hitranga tsy ho ela ny sazin'Israely"
"hitranga amin'ny vahoaka izay nasehon'Andriamanitra"
olona maro be. Eto izany dia maneho ny vahoakan'Israely.
ny teny hoe "izy ireo" dia maneho ny vahoakan'israely izay mivarotra zavatra.
"tsy hiverina any Israely izy ireo."
Ny teny hoe "atanjahana" dia maneho ny fanampian'Andriamanitra olona iray mba handroso hatrany rehefa mafy ny zavatra amin'ny alalan'ny fanantenana, faherezana ary tanjaka ara-batana. "tsy misy olona velona izay tsy mankato an'Andriamanitra hatrany ho ampian'Andriamanitra."
Ireto no tenin'i Yaveh momba an'Israely.
"nitsoka ny trompetra izy ireo mba hiantsoana ny vahoaka hiady amin'ny fahavalo"
Ny sabatra dia maneho ny ady. Fandikana hafa: "misy ady any ivelany"
Ny trano be dia mety maneho an'ilay tanàna.
Eto ny teny hoe "hanimba" dia midika hoe "mamotika tanteraka." Fandikana hafa: "ary ny ankamaroan'ny vahoaka ao amin'ilay tanàna dia ho fatin'ny hanoanana sy aretina."
Ny voromailala dia j
Ireto dia tenin'i Yaveh momba an'Israely.
"ho feno tahotra izy ireo" na "ary hatahotra be izy ireo"
"amin'ny andro rehefa hietsika amin'ny hatezerany Yaveh" na "rehefa manasazy azy ireo Yaveh"
"ary tsy hanana sakafo hohanina izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "satria ny fananana volamena sy volafotsy maro dia nitarika azy ireo hanota" (UDB) na 2) "satria ratsy izy ireo, dia manao fahotana izay mampiseho ny faharatsian'izy ireo."
Ireto no tenin'i Yaveh momba an'Israely.
Ny teny hoe "tanana" dia nampiasaina mba hanehoana fanaraha-maso. "hatolotro eo amin'ny fanaraha-mason'ny olona izay tsy fantany ireo sampy ireo" na "hatolotro ho an'ireo vahoaka izay tsy fantany ireo sampy ireo"
zavatra izay nangalarina na nalaina an-keriny.
Ireo vahiny sy ireo olon-dratsy dia handoto an'ireo sampy izay nataon'ny vahoakan'Israely.
"tsy hifantoka amin'izy ireo Aho" na "hijery any an-kafa Aho" na "tsy ho tsikaritro"
"ny toerana izay tiako." Ity dia maneho ny tempolin'Andriamanitra.
Ireto no tenin'i Yaveh amin'i Ezekiela momba an'Israely.
Ny rojo dia nampiasaina mba hihazonana andevo na gadra. Andriamanitra dia milaza izany mba hampisehoana ny olona fa ho lasa andevo na gadra izy ireo.
ireo mety ho heviny dia 1) "na aiza na aiza eo amin'ny firenena dia mitsara ny olona Andriamanitra satria namono ny hafa an-keriny izy ireo" na 2) "ny fitsaràna na aiza na aiza eo amin'ny firenena dia mamono olona." Ny teny hoe "rà" eto dia maneho ny famonoana olona sy fahafatesana.
"ny herisetra dia eny rehetra eny ao amin'ilay tanàna" na "olona maro amin'ilay tanàna dia manao zavatra mahery setra amin'ny hafa"
"ny ratsy fanahy dia haka an'ireo tranon'Israely"
Hampijanona ny fireharehan'ireo vahoaka maherin'Israely amin'ny tenan'izy ireo Aho
"ireo fahavalo dia handoto an'ireo toerana izay hanompoanareo"
ireo toerana izay nanompoan'izy ireo sampy.
"hatahotra ny olona"
"hanantena fiadanana izy ireo" na "hiezaka hanao fihavanana amin'ireo fahavalony izy ireo"
Ireto no tenin'i Yaveh momba an'Israely.
"hanontany an'ireo mpaminany izy ireo hoe inona no fahitana hitan'izy ireo"
"tsy hampianatra ny lalàna ireo mpisorona ary tsy ho afaka ny hanome toro-hevitra tsara ireo loholona." Izany dia satria tsy hanome fahendrena azy ireo Andriamanitra.
Ireo mety ho heviny dia 1) "zanaka lahin'ny mpanjaka" (UDB) na 2) ny lehilahy rehetra ao anatin'ny fianakavian'andriana ankoatry ny mpanjaka.
ireo mety ho heviny dia 1) "tsy hanana fanantenana" na 2) "hitafy akanjo izay mampiseho fa misaona izy."
"hatahotra loatra ireo vahoakan'ny tany ka hangovitra ny tanan'izy ireo"
ireo mety ho heviny dia 1) "hatakatra hoe iza Izaho, Yaveh" na 2) "hatakatra fa Izaho no Yaveh, ilay Andriamanitra marina tokana" na 3) "hahafantatra fa Izaho, Yaveh, dia manana ny fahefana hanao izay lazaiko fa ho ataoko." (UDB)
1 Ary tamin'ny taona fahenina sy ny volana fahenina, tamin'ny andro fahadimin'ny volana, raha nipetraka tao an-tranoko aho ary ireo loholon'i Joda nipetraka teo anoloako, dia nilatsaka teo amiko tao indray ny tanan'ny Tompo Yaveh. 2 Ka nijery aho, ary indro, nisy endrika lehilahy. Nisy afo nanomboka teo amin'ny andilany midina. Ary nanomboka teo amin'ny andilany miakatra dia niendrika zavatra mamirapiratra, tahaka ny vy manjelatra. 3 Ary naninjitra miendrika tanana izy ka nandray ahy tamin'ny volon-dohako; nanandratra ahy teo afovoan'ny tany sy ny lanitra ilay Fanahy, ary tamin'ireo fahitana avy tamin'Andriamanitra, no nitondrany ahy tany Jerosalema, teo amin'ny fidirana anatin'ny vavahady avaratra, izay nijoroan'ny sampy izay nihantsy asarotapiaro lehibe. 4 Ary indro, ny voninahitr'ilay Andriamanitr'Israely dia tao, araka ny fahitana izay hitako teo amin'ny tany lemaka. 5 Ary hoy izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, asandrato mianavaratra ny masonao." Ka dia nasandratro mianavaratra ny masoko, ary teo avaratry ny vavahady mankeo amin'ny alitara, teo amin'ny fidirana, ilay sampin'ny asarotapiaro. 6 Ka hoy izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, mahita izay ataon'izy ireo ve ianao? Ireo dia fahavetavetana lehibe izay ataon'ny ankohonan'Israely eto mba hampiala lavitra Ahy amin'ny fitoerako masina. Fa hitodika ianao ary hahita fahavetavetana lehibe kokoa aza." 7 Avy eo dia nentiny teo am-baravaran'ny kianja aho, ary nijery, dia nisy lavaka iray teo amin'ny rindrina. 8 Hoy izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, lavao io rindrina io." Koa nandavaka ilay rindrina aho, dia nisy varavarana. 9 Ary hoy izy tamiko hoe: "Mandehana ary jereo ny fahavetavetana mahatsiravina izay ataon'izy ireo ato." 10 Ka niditra aho ary nijery, ary indro! Nisy karazan-javatra mandady sy biby mahatsiravina! Ny sampin'ny ankohonan'Israely rehetra dia voasokitra tamin'ny rindrina manodidina rehetra. 11 Nisy loholon'ny ankohonan'Israely fitopolo tao, ary Jazania zanaka lahin'i Safana dia nijoro teo afovoan'izy ireo. Nitsangana teo anoloan'ireo sarin-javatra izy ireo, ary ny lehilahy tsirairay dia samy nitondra ny fitondrana afony teny an-tanany avy mba hampiakatra ny fofon-tsetroky ny ditin-kazo manitra. 12 Hoy izy tamiko: "Ry zanak'olona, hitanao ve ny ataon'ireo loholon'ny ankohonan'Israely ao amin'ny maizina? Ny tsirairay dia samy manao izany ao amin'ny efitra miafin'ny sampiny, fa ho izy ireo hoe: 'Tsy mahita antsika Yaveh! Efa nafoin'i Yaveh ny tany.'" 13 Ary hoy izy tamiko: "Mitodiha indray ary jereo ireo fahavetavetana lehibe hafa izay ataon'izy ireo." 14 Avy eo nentiny nankao amin'ny vavahady fidirana ao an-tranon'i Yaveh izay teo amin'ny lafiny avaratra aho, ary indro! Nipetraka nisaona an'i Tamoza tao ireo vehivavy. 15 Ka hoy izy tamiko: "Hitanao ve izao, ry zanak'olona? Mitodiha indray ary jereo hatramin'ireo fahavetavetana lehibe noho ireo aza." 16 Nentiny tao amin'ny kianja anatiny tao an-tranon'i Yaveh aho, ary indro! teo amin'ny fidirana tao amin'ny tempolin'i Yaveh teo anelanelan'ny lavarangana sy ny alitara, dia nisy lehilahy teo amin'ny dimy amby roapolo teo ho eo nanome lamosina ny tempolin'i Yaveh ary niantsinanana ny tavan'izy ireo, ary nanompo ny masoandro izy ireo. 17 Hoy izy tamiko hoe: "Hitanao ve izao, ry zanak'olona? Moa ve zavatra kely ho an'ny ankohonan'i Joda ny fanaovana ireo fahavetavetana izay ataon'izy ireo eto? Fa efa nofenoin'izy ireo herisetra ny tany ary mbola niodina mba hihantsy Ahy amin'ny fahatezerako indray izy ireo, tamin'ny fametrahana rantsa-kazo eo amin'ny oron'izy ireo. 18 Koa hiasa eo amin'izy ireo ihany koa Aho; tsy hanana fangorahana ny masoko, ary tsy hamindra fo azy ireo Aho. Na dia mitomany amin'ny feo mafy eo an-tsofiko aza izy ireo, dia tsy hihaino azy ireo Aho."
Ezekiela milaza momban'ny fahitana hafa izay hitany.
Ity dia nampiasaina eto mba hanamarihana ny fiantombohan'ny fizarana vaovao ao amin'ilay tantara. Raha toa ny fiteninao ka manana fomba hilazana izany, dia ampiasao eto izany.
DH: "tamin'ny taona fahenina nanaovana sesintany an'i Joiakima mpanjaka"
"ny andro fahadimin'ny volana fahenina." Ity dia volana fahenina amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahadimy dia manakaiky ny fiantombohan'ny Septambra amin'ny tetiandro Tandrefana.
Tokony hadika ara-bakiteny ity, araka ny fahitan'i Ezekiela zavatra toy ny tanana ao aoriana. Ireo hafa dia mety hisafidy ny handray ny tanana ho sarinteny ho an'ny fanatrehana na fahefan'i Yaveh. (UDB)
Adikao toy ny tao amin'ny 2:4.
"nihazona"
Rehefa tena mafana ny vy, dia mamiratra mavo na volomboasary izany.
Ezekiela manohy milaza momba an'ilay fahitana avy amin'Andriamanitra.
Ny teny hoe "izy" dia mety maneho an'ilay "endrika tahaka ny olona" (8:1).
"teo anelanelan'ny tany sy ny habakabaka"
Ireo teny hoe "tamin'ny fahitana" dia midika fa mitranga amin'ireo eritreritr'i Ezekiela io fiainana io zavatra io. Mbola ho ao an-tranony foana izy rehefa mampiseho an'ireo zavatra ireo Andriamanitra.
"anatin'ny vavahady avaratra ao amin'ny tempoly"
"ny sampy izay mahatonga hasarotapiaro lehibe" na "ny sampy izay mahatonga an'Andriamanitra ho saropiaro"
"izay niendrika toy ilay iray izay hitako teo amin'ny tany lemaka"
fari-tany fisaka lehibe izay misy hazo vitsivitsy.
Miresaka amin'i Ezekiela ilay "niendrika olona" (8:1)
"zanak'olombelona." Andriamanitra dia miantso an'i Ezekiela amin'ity mba hanamafisana fa olombelona ihany Ezekiela. Andriamanitra dia mahery ary velona mandrakizay, fa ny olona tsy tahaka izany. Adikao toy ny tao amin'ny 2:1 ity. DH: "olona mety maty" na "olombelona"
"mijere" na "atodiho ny lohanao ary jereo"
"vavahady izay andehanan'ny olona mba hahafahan'izy ireo mankeny amin'ny alitara"
Andriamanitra dia mampiasa ity fanontaniana ity mba hisarihana ny fifantohan'i Ezekiela amin'izay nataon'ny vahoaka. DH: "Tiako ho azonao ny antony ankahalako izay ataon'ny vahoaka eto"
Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "Ireo vondron'olona Israelita" Adikao toy ny tao amin'ny 3:1.
"kianjan'ny tempoly"
Ny teny hoe "indro" eto dia mampiseho fa Ezekiela dia gaga tamin'izay hitany.
"sary sokitra eny amin'ny rindrina izay karazana biby mandady sy biby mahatsiravina." Ny hoe "zavatra mandady" dia maneho an'ireo bibikely sy ireo biby kely hafa.
Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "Ireo vondron'olona Israelita" Adikao toy ny tao amin'ny 3:1.
lasitra izay ampiasain'ny olona handoroana ditin-kazo manitra rehefa manompo an'Andriamanitra na andriamanitra hafa izy ireo.
Mametraka ity fanontaniana ity Andriamanitra mba hijeren'i Ezekiela an'izay lazain'Andriamanitra azy mba ho jerena.
Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "Ireo vondron'olona Israelita" Adikao toy ny tao amin'ny 3:1.
"efitra izay tsy hahitan'iza na iza azy manompo ny sampiny"
ilay vavahady avaratra ivelany io—fa tsy ilay iray ao amin'ny 8:3. Jereo ny UDB.
Ny teny hoe "indro" eto dia mampiseho fa Ezekiela dia gaga tamin'izay hitany.
nisaona satria maty i Tamoza ilay andriamanitra diso
Ny teny hoe "indro" eto dia mampiseho fa Ezekiela dia gaga tamin'izay hitany.
fandrakofana eo anoloan'ny fidirana misy andry manohana
"ary nijery niantsinanana izy ireo"
Mampiasa fanontaniana Andriamanitra mba hampisehoana ny hatezerany fa ny vahoakan'i Joda dia tsy mieritreritra hoe tena ratsy ny fanompoan-tsampy. Fandikana hafa: Moa ny vahoakan'i Joda mieritreritra fa tsy matotra ny fahavetavetan'izy ireo?"
Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo taranak'i Joda an-taona maro. DH: "ny vondron'olona Joda" na "ny vahoakan'i Joda" Misy teny mitovy hita ao amin'ny 3:1.
"manerana ny firenena dia manao zavatra feno herisetra izy ireo" na "manerana ny firenena rehetra dia mifanafika izy ireo"
"mba hampatezitra Ahy"
Ity dia mety midika hoe "fihazonana rantsa-kazo ny oron'izy ireo amin'ny fanompoan-tsampy"
"mbola hanasazy azy ireo Aho"
Fandikana hafa: "Na dia mivazavaza ny fivavak'izy ireo Amiko amin'ny feo mafy aza izy ireo"
1 Ary nitomany teo an-tsofiko tamin'ny feo mafy izy, nanao hoe: "Aoka hiakatra ao an-tanàna ireo mpiambina, miaraka amin'ny fitaovam-piadiana fandravana eny an-tanany avy." 2 Ary indro! Nisy lehilahy enina tonga avy any amin'ny lalan'ny vavahady ambony izay mitodika mianavaratra, samy niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana famonoana teny an-tanany avy. Nisy lehilahy iray niankanjo rongony fotsy niaraka tamina fitaovan'ny mpanora-dalàna teny anilany teo afovoan'izy ireo. Ka niditra izy ireo ary nijoro teo akaikin'ny alitara varahina. 3 Ary ny voninahitr'ilay Andriamanitr'Israely niakatra avy tao amin'ny kerobima izay teo an-tokonam-baravaran'ny trano. Niantso ilay lehilahy niakanjo rongony fotsy izay nanana ny fitaovan'ny mpanora-dalàna teny anilany Izy. 4 Hoy Yaveh taminy hoe: "Mandehana eo afovoan'ny tanàna—afovoan'i Jerosalema—ary asio marika eo amin'ny handrin'ireo izay mitaraina sy misento ny amin'ireo fahavetavetana rehetra natao teo afovoan'ny tanàna." 5 Ary niresaka tamin'ireo hafa teo an-tsofiko Izy hoe: "Mandehana manaraka azy ao an-tanàna ary mamonoa. Aoka tsy hanana fangorahana ny masonao, ary aza miantra 6 na olona antitra, tanora, virijiny, zaza madinika na vehivavy. Vonoy daholo izy ireo! Fa aza manatona izay misy marika eo amin'ny lohany. Atomboy ao amin'ny fitoerako masina!" Ka dia nanomboka tamin'ireo loholona izay teo anoloan'ny trano izy ireo. 7 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianjan'izany. Mivoaha!" Ka nivoaka izy ireo ary nanafika ny tanàna. 8 Raha mbola nanafika izany izy ireo, dia hitako fa irery aho ary nampiankohoka ny tavako aho ary nitaraina ka nanao hoe: "Indrisy, ry Tompo Yaveh, handrava ireo sisa tavelan'Israely rehetra amin'ny fandrarahana ny fahatezeranao amin'i Jerosalema ve Ianao?" 9 Hoy Izy tamiko hoe: "Tafahoatra tokoa ny heloky ny ankohonan'Israely sy Joda. Feno rà ny tany ary feno fahavetavetana ny tanàna, satria hoy izy ireo hoe: 'Efa nanadino ny tany i Yaveh, ary 'tsy mahita i Yaveh!' 10 Koa noho izany, tsy hijery amim-pangorahana ny masoko, ary tsy hitsitsy azy ireo Aho. Fa hitondra izany rehetra izany ho eo an-dohan'izy ireo kosa Aho." 11 Indro! Niverina ilay lehilahy niakanjo rongony fotsy izay nanana ny fitaovan'ny mpanora-dalàna teny anilany. Nitatitra izy ary niteny hoe: "Efa nataoko izay rehetra nandidianao."
Ezekiela manohy milaza momba an'ilay fahitana nomen'Andriamanitra azy. Nanomboka tao amin'ny 8:1 izany.
"henoko niantso mafy Izy"
olona izay miaro zavatra iray.
fitaovam-piadiana famotehana olona na zavatra
fitaovam-piadiana famonoana olona maro
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy fanamafisana an'izay manaraka eo. Afaka adika hoe "tokoa!" ihany koa izany.
akanjo mafy, malefaka vita amin'ny zava-maniry iray. Izany dia anaovan'ny olona maro any amin'ireo toerana mafana. Fandikana hafa: "akanjo malefaka"
fitaovana izay ampiasain'ny mpanora-dalàna mba hanoratana
vy miloko volamena somary antitra.
Ireo mety ho dikany dia 1) "avy eo ambonin'ireo zava-manan'aina efatra manan'elatra" (1:4) (UDB) na 2) avy eo anelanelan'ireo kerobima roa tao amin'ny fitoerana masina indrindra ao amin'ny tempoly. Ezaho adika ara-bakiteny ity.
Ny hoe "trano" dia maneho ny tempolin' Andriamanitra.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 9:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 9:1.
Ireo dia feo avoakan'ny olona rehefa tena malahelo izy ireo na sosotra amin'ny zavatra iray.
"ireo zavatra mahatsiravina izay natao teo amin'ilay tanàna" na "ireo zavatra maharikoriko izay ataon'ny olona ao amin'ilay tanàna"
Ny teny ireo "hafa" dia maneho an'ireo mpiambina.
"aza mangoraka an'ireo olona izay hitanareo"
"aza manindry fo amin'ny famonoana"
Ireo dia ireo olona izay nitaraina momba an'ireo fahavetavetana izay mitranga ao Jerosalema. Jereo ny fomba nandikanao izay tao amin'ny 9:3.
"Atomboy amin'ny famonoana an'ireo izay tsy misy an'ilay marika ao amin'ny fitoerako masina"
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo "loholona fitopolo ao amin'ny ankohonan'Israely" (8:10) na 2) izay "lahy antitra" rehetra (andininy faha 6).
Andriamanitra manohy miresaka amin'ireo mpiambina mitsara ny vahoakan'Israely.
"nanafika ny vahoaka tao amin'ilay tanàna"
"niankohoka tamin'ny tany aho" na "nandry teo amin'ny tany aho." Tsy nianjera tsinahy i Ezekiela. Niankohoka tamin'ny tany izy mba hampisehoana fa nanaja sy natahotra an'i Yaveh izy. Adikao toy ny tao amin'ny 1:27.
Milaza ity Ezekiela satria tena mikorontana amin'izay nasain'ny Tompo mba ataon'ireo lehilahy amin'i Jerosalema izy. Adikao toy ny tao amin'ny 4:14.
"hamotika an'ireo sisa rehetran'Israely ve Ianao amin'ny alalan'ny fandrarahana ny hatezeranao amin'i Jerosalema?" Miangavy an'i Yaveh i Ezekiela mba tsy handrava an'ireo sisa tavela. DH: "Miangavy mba aza ravaina ny sisa rehetran'Israely amin'ny alalan'ny fandrarahana ny hatezeranao amin'i Jerosalema!"
Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita, ireo taranak'i Jakoba an-taona maro. DH: "ny vondron'olona Israelita" Adikao toy ny tao amin'ny 3:1.
"tena lehibe"
"feno herisetra ny tany" na "manerana ny tany dia mifamono ny olona"
Ireo mety ho heviny dia 1) "feno olona mametaveta ny rariny ny tanàna" na 2) "feno olona manao zavatra vetaveta ny tanàna." Fandikana hafa: feno olona izay manao fihetsika tsy ara-drariny ny tanàna" (UDB) na "feno olona maro be manao zavatra ratsy ny tanàna"
"tsy hijery azy ireo amim-pangorahana Aho" na "tsy hangoraka azy ireo Aho." Ny maso eto dia maneho ny fomba fijeriny ny olona.
"hitondra ny vokatr'izay nataon'izy ireo teo an-dohan'izy ireo." Izany dia midika hoe "hamaly azy ireo noho izay nataon'izy ireo Aho"
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy fanamafisana an'izay manaraka eo. Izany koa dia afaka adika hoe "tokoa!"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 9:1.
"nitatitra tamin'i Yaveh izy ary niteny taminy"
1 Raha nijery nankany amin'ny eloelo izay teo an-dohan'ny Kerobima aho; dia nisy zavatra niseho teo ambonin'izy ireo tahaka ny safira manana endrika seza fiandrianana. 2 Avy eo Yaveh niresaka tamin'ilay lehilahy nitafy rongony fotsy ary nanao hoe: "Mandehana eo anelanelan'ireo kodia eo ambanin'ireo Kerobima, dia fenoy amin'ireo vain'afo mirehitra avy eo anelanelan'ny Kerobima ny tananao ary aparitaho eo amin'ny tanàna izy ireo." Dia nandeha ralehilahy raha nijery aho. 3 Dia nijoro teo an-kavanan'ilay trano ny kerobima rehefa niditra ilay lehilahy, ary nisy rahona nameno ny tao anatin'ny kianja. 4 Nisandratra avy eo amin'ilay kerobima ny voninahitr'i Yaveh ary nijoro teo an-tokonam-baravaran'ilay trano. Nameno ny trano tamin'ny rahona izany, ary dia feno ny famirapiratan'ny voninahitr'i Yaveh ny kianja. 5 Ny feon'ny helatr'ilay kerobima dia re hatrany ivelan'ny kianja, toy ny feon'Andriamanitra Tsitoha rehefa miteny Izy. 6 Ary rehefa nandidy ilay lehilahy nitafy rongony fotsy Andriamanitra ary nanao hoe: "Mandraisa afo avy eo anelanelan'ireo kodia izay eo amin'ny kerobima," dia niditra ralehilahy ary nitsangana teo akaikin'ny kodia iray. 7 Nisy kerobima iray naninjitra ny tanany teo anelanelan'ny kerobima ho amin'ny afo izay teo amin'ny kerobima, ary nanandratra sy nametraka izany teo an-tanan'ilay nitafy rongony fotsy. Noraisin-dralehilahy izany ary nandeha nivoaka izy. 8 Nahita zavatra toy ny tanan'olona tao ambany elatr'izy ireo aho teo amin'ny kerobima. 9 Ka nijery aho, ary indreo! Kodia efatra no teo akaikin'ilay kerobima—kodia iray teo akaikin'ny isan-kerobima—ary ny endrik'ireo kodia dia tahaka ny vato berila. 10 Ny endrik'izy ireo dia mitovy endrika amin'ny efatra rehetra amin'izy ireo, tahaka ny kodia mihaona amin'ny kodia hafa. 11 Rehefa niala izy ireo, dia niditra tao amin'ireo lalana efatra tsy misy fiolanana amin'ireo lalan-kafa. Fa kosa, na taiza na taiza niatrehan'ny loha, dia narahin'izy ireo izany. Dia tsy niverina tany amin'ny lalan-kafa arak'izay nalehany intsony izy ireo. 12 Ny tenan'izy ireo manontolo—isan'izany ny lamosiny, ireo tanany, ary ireo elany—dia voarakotra maso, ary maso ihany koa no nandrakotra ny kodia efatra manodidina. 13 Raha nihaino aho, dia nisy niteny hoe: "mikodiadiava" ireo kodia. 14 Nanana tarehy efatra avy izy ireo; ny tarehy voalohany dia tarehin-kerobima, ny tarehy faharoa dia tarehin-dehilahy, ny tarehy fahatelo dia liona, ary ny tareha fahefatra dia tarehina voro-mahery. 15 Avy eo niainga ilay Kerobima—dia ilay zava-manan'aina izay hitako teo amoron'ny ony Kebara 16 Isaky ny nietsika ilay kerobima, dia nandeha teo anilany koa ny kodia, ary isaky ny nanandratra ny elany mba hiainga amin'ny tany ilay kerobima, dia tsy nivily ireo kodia. Mbola nijanona teo anilany ireo. 17 Rehefa nijanona ilay kerobima, dia nijanona koa ireo kodia, ary rehefa niainga ireo, dia niainga niaraka tamin'izany koa ireo kodia, satria tao amin'ireo kodia ny fanahin'ilay zava-manan'aina. 18 Ary niala tao amin'ny tokonam-baravaran'ny trano ny voninahitr'i Yaveh ka nijanona teo amin'ireo kerobima. 19 Namelatra ny elany ny kerobima ary niainga tamin'ny tany teo imasoko rehefa nivoaka izy ireo, ary nanao mitovy izany teo ankilan'izy ireo ny kodia. Nijanona tao amin'ny fidirana atsinanana mankao amin'ny tranon'i Yaveh izy ireo, ary ny voninahitr'ilay Andriamanitr'Israely dia tonga teo amin'izy ireo avy teo ambony. 20 Ireo no zava-manan'aina izay efa hitako teo ambanin'ilay Andriamanitr'Israely tamin'ireo lakan-drano Kebara, ka fantatro fa kerobima ireo! 21 Nanana tarehy efatra avy sy elatra efatra avy izy ireo, ary endrika tanan'olona ambany elatr'izy ireo, 22 ary ny endrikin'ny tarehiny dia tahaka ny tarehy izay efa hitako tao anaty fahitana tao amin'ny lakan-drano Kebara, ary nandeha nahitsy ny tsirairay avy tamin'izy ireo.
Ezekiela manohy milaza momba an'ilay fahitana izay nanomboka tao amin'ny 8:1.
"nankany amin'ny tafo miolakolana"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 9:3.
Ny safira dia vato sarobidy miloko manga na maitso.
"izay niendrika toy ny seza fiandrianana"
Jereo ny fomba nandikanao ny teny hoe "kodia" ao amin'ny 1:15.
Ny vain'afo dia ampahana hazo mirehitra tavela avy amin'ny afo. Mainty ireo, fa mamiratra mena sy volomboasary ireo rehefa tena mamay.
"fafazo manerana ny tanàna ireo"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 10:3.
toy ny iray mijery miantsinanana, ny "an-kavanana" dia manatrika ny atsimo. DH: "amin'ny ilany atsimo"
Adikao toy ny tao amin'ny 1:27.
Ny teny hoe "izany" dia maneho ny voninahitr' Andriamanitra.
Ity dia nampiasaina eto mba hanamarihana hoe aiza no manomboka ilay hetsika. Raha toa ny fiteninao ka manana fomba hilazana izany, dia ampiasao eto izany.
Ity dia famerenanana an'ilay fampahafantarana izay nomena tao amin'ny 10:1. Rehefa avy niresaka momba an'ilay kerobima sy ny voninahitr'Andriamanitra tao amin'ny 10:3-5, dia niverina Ezekiela mba hilaza ny momba an'ilay lehilahy izay nitafy rongony fotsy.
Jereo ny fomba nandikanao ny teny hoe "rongony" ao amin'ny 9:1.
Jereo ny fomba nandikanao ny teny hoe "kodia" ao amin'ny 1:15.
"hitako fa ilay kerobima dia nisy zavatra toy ny tanan'olona tao ambany elatr'izy ireo"
Ny teny hoe "indro" eto dia mampiseho fa gaga tamin'izay hitany i Ezekiela.
jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:15.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 10:1.
Ny "beryla" dia vato tena mafy sy sarobidy. Mety maitso na manga ity beryla ity. Ny emeralda dia karazany maitso amin'ny beryla ary ny aquamarine no karazany manga amin'ny vato beryla.
Ny teny hoe "mihaona" dia midika hoe "mikasika"
"na taiza na taiza niatrehan'ilay kerobima" na "na taiza na taiza nalehan'ilay kerobima"
Ity dia maneho ny lohan'ilay kerobima.
"ny vatan'ilay kerobima manontolo"
Jereo ny fomba nandikanao ny teny hoe "kodia" ao amin'ny 1:15.
Ny teny hoe "mikodiadiava" dia midika hoe "miodikodìna." Eto izany dia ny fiantsoana ny kodia. DH: "nisy olona niantso ireo kodia hoe "mikodiadiava'"
"ny kerobima tsirairay dia nanana endrika efatra" na "ny tsirairay tamin'ireo kerobima dia nanana endrika efatra." Ny zava-manan'aina tsirairay dia nanana tarehy teo anoloany, tarehy tao aoriana, ary tarehy teo amin'ny sisin'ny lohany rehetra. Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:4.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe kerobima tao amin'ny 10:3.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:10.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:13.
Ity dia renirano izay nohadian'ny vahoaka any Kaldea mba hanome rano ny sahan'izy ireo. Adikao toy ny tao amin'ny 1:1.
"niakatra teny amin'ny habakabaka"
"nijanona niaraka tamin'ireo kerobima ireo kodia." Fandikana hafa: "nikisaka niaraka tamin'ireo kerobima ireo kodia."
"tsy nihetsika"
Ireo mety ho heviny dia 1) "nifehy an'ireo kodia ny fanahin'ilay zava-manan'aina" na 2) "nitovy tamin'ny fanahy tao amin'ireo kodia ny fanahin'ilay zava-manan'aina." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:19.
Adikao toy ny tao amin'ny 1:27.
Ity dia maneho ny tempolin'Andriamanitra.
Eto ny teny hoe "niijanona" dia midika hoe "niandry"
"nankeo ambonin'ilay kerobima"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:13.
Ity dia renirano izay nohadian'ny vahoakan'i Kaldea mba hanome rano ny sahan'izy ireo. Adikao toy ny tao amin'ny 1:1.
"niroso nanatrika" na "nijery nanatrika"
1 Dia nampiakatra ahy ny Fanahy ka nitondra ahy tany amin'ny vavahady atsinanan'ny tranon'i Yaveh, izay miantsinanana, ka indro, nisy lehilahy dimy amby roapolo teo amin'ny lalana mankany amin'ilay vavahady. Hitako teo amin'izy ireo i Jazania zanaka lahin'i Azora sy Pelatia zanaka lahin'i Benaia, mpitarika ny vahoaka. 2 Hoy Andriamanitra tamiko hoe: "Ry zanak'olona, ireo no olona izay nihevi-dratsy, sy nanapa-kevitra hiteti-dratsy tamin'ity tanàna ity. 3 Hoy izy ireo hoe: 'Tsy fotoanan'ny fanorenana trano izao; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena.' 4 Noho izany dia maminania hanohitra azy ireo. Maminania, ry zanak'olona." 5 Dia nidina tamiko ny Fanahin'i Yaveh ary hoy Izy tamiko: "Lazao hoe: Izao no lazain'i Yaveh: araka izay lazainareo, ry ankohonan'Israely; fa fantatro ny ao an-tsainareo. 6 Efa nampitombo ny olona izay novonoinareo tamin'ity tanàna ity ianareo ary nameno ny lalambeny tamin'izany. 7 Noho izany, dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ny olona izay novonoinareo, izay nahampatrareo teo afovoan'i Jerosalema ny fatiny, no hena, ary ity tanàna ity no vilany. Kanefa ianareo dia entina miala eo afovoan'ity tanàna ity. 8 Natahotra ny sabatra ianareo, koa hitondra ny sabatra ho aminareo Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 9 Hitondra anareo hiala eo afovoan'ity tanàna ity Aho, ary hametraka anareo ho eo an-tanan'ireo hafa firenena, satria hitondra fitsarana hanohitra anareo Aho. 10 Ho lavon-tsabatra ianareo. Ho tsaraiko ao amin'ny faritanin'Israely ianareo ka ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh. 11 Ity tanàna ity dia tsy ho vilany fandrahonareo, na ho hena ao anatin'izany ianareo. Hitsara anareo ao amin'ireo faritanin'Israely Aho. 12 Dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh, Ilay iray izay tsy narahinareo ireo lalàny ary tsy notanterahinareo ireo didiny. Fa kosa, ny didin'ireo firenena izay manodidina anareo no notanterahinareo." 13 Ary raha mbola naminany aho, dia maty i Pelatia zanaka lahin'i Benaia. Koa nikarapoka niankohoka aho ka nihiaka tamin'ny feo mafy ary nanao hoe: "Indrisy, ry Tompo Yaveh, moa ve handringana tanteraka ny sisa amin'Israely Ianao?" 14 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 15 "Ry zanak'olona, ireo rahalahinao! Ireo rahalahinao! Ireo lehilahin'ny fokonao sy ny ankohonan'Israely rehetra! Izy rehetra ireo no nilazan'ireo nipetraka tany Jerosalema hoe: 'Lavitra an'i Yaveh izy ireo! Ity tany ity dia nomena anay ho fanananay.' 16 Noho izany lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Na dia efa nanala azy ireo lavitr'ireo firenena aza Aho, ary na dia efa nampiely azy ireo teo amin'ny tany aza Aho, nefa dia fitoerana masina ho azy ireo nandritry ny fotoana vitsy tany amin'ny tany izay nandehanan'izy ireo Aho.' 17 Noho izany lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ho voriako avy amin'ireo vahoaka ianareo, ary hangoniko avy amin'ireo tany izay nielezanareo ianareo, ka homeko anareo ny tanin'Israely.' 18 Dia handeha any izy ireo ka hanala ny zavatra maharikoriko rehetra sy ny fahavetavetana rehetra amin'izany toerana izany. 19 Hanome azy ireo fo iray Aho, ary hametraka fanahy vaovao ao amin'izy ireo. Ho esoriko ao amin'ny nofon'izy ireo ny fo vato ka homeko fo nofo izy ireo, 20 mba hanarahan'izy ireo ny lalàko, hanatanterahan'izy ireo ny didiko sy hanaovan'izy ireo izany. Dia ho vahoakako izy ireo, ary ho Andriamanitr'izy ireo Aho. 21 Nefa ho an'ireo izay mandeha am-pitiavana mankany amin'ireo zavatra maharikorikony sy ireo fahetavetany, dia ho entiko ho eo an-dohan'izy ireo ihany ny fitondrantenany—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh." 22 Nanandratra ny elany sy kodiarany izay teo anilan'izy ireo ny kerobima, ary teo ambonin'ireo ny voninahitr'ilay Andriamanitr'Israely. 23 Dia niakatra avy ao afovoan'ny tanàna sy nitsangana teo an-tendrombohitra teo atsinanan'ny tanàna ny voninahitr'i Yaveh. 24 Nanandratra ahy ny Fanahy ka nitondra ahy tany Kaldea, tany amin'ireo voasesitany, tamin'ny fahitana avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra, sy ny fahitana izay hitako niakatra avy teo amiko. 25 Dia nanambara tamin'ireo voasesitany ny zavatr'i Yaveh rehetra izay hitako aho.
Ezekiela manohy milaza ny momba an'ilay fahitana izay nanomboka tao amin'ny 8:1.
"izay nanatrika niantsinanana." Ilay "vavahady atsinanana" nanatrika niantsinanana.
Ny teny hoe "indro" eto dia manaitra antsika mba hifantoka amin'ilay fampahafantarana manaitra izay manaraka eo.
Adikao toy ny fomba nataonao tao amin'ny 8:16 ireo teny ireo.
"teo amin'ireo lehilahy dimy amby roapolo"
Ezekiela manohy milaza ny momba an'ilay fahitana.
"zanak'olombelona." Andriamanitra dia miantso an'i Ezekiela amin'ity mba hanamafisana fa Ezekiela dia olombelona ihany. Andriamanitra dia velona mandrakizay, fa ny olona tsia. "olona mety maty" na "olombelona"
Ny vahoakan'israely dia miresaka ny tenan'izy ireo toy ny hoe didi-kena tsara izy ireo ary ny tanàna toy ny hoe vilany izay nitahirizana na nandrahoana an'ilay hena. Ny sarinteny dia manoro hevitra fa manan-danja sy voaaro izy ireo ao amin'ilay tanàna. DH: "Ilay tanàna dia toy ny vilany izay hiaro antsika toy ny hiarovan'ny vilany ny hena."
Ireo mety ho heviny dia 1) vilany izay hitahirizana hena na 2) vilany handrahoana hena.
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela mpaminany.
Ezekiela dia miresaka ny Fanahin'i Yaveh manome aingam-panahy sy manome hery azy mba haminany toy ny hoe nilatsaka teo aminy ny Fanahin'ny Yaveh. DH: "nanome hery ahy ny Fanahin'i Yaveh"
Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny ho an'ny fianakaviana, amin'ity tranga ity dia ireo Israelita izay taranak'i Jakoba. Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1. DH: "vahoakan'Israely"
"milaza ireo zavatra ireo ianareo." Ity dia maneho an'izay nolazain'ny vahoaka tao amin'ny 11:2.
Yaveh dia miresaka an'ireo olona izay novonoin'izy ireo toy ny hoe didi-kena tsara izy ireo ary ilay tanàna toy ny hoe vilany izay nitahirizana na nandrahoana an'ilay hena izany. Jereo ny fomba nandikanao ity sarinteny ity tao amin'ny 11:2. DH: "Ny olona izay novonoinareo ... dia tahaka ny hena ao anaty vilany, ary ity tanàna ity no vilany.
DH: "fa ho entiko mivoaka ianareo"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'Israely.
Ny teny hoe "sabatra" dia sarinteny ho an'ny tafika fahavalo izay hanafika amin'ny sabatr'izy ireo. DH: "natahotra ady ianareo, noho izany dia hitondra tafika fahavalo mba hanafika anareo Aho"
Ny teny hoe "tanana" eto dia maneho ny hery na fahefana. DH: "hametraka anareo eo amin'ny fahefan'ireo vahiny Aho" na "homeko fahafahana hisambotra anareo ireo vahiny"
Ny teny hoe "sabatra" dia sarinteny ho an'ny tafika fahavalo izay hanafika amin'ny sabatr'izy ireo. Ny hoe "lavon-tsabatra" dia midika fa ho faty amin'ny sabatra izy ireo. DH: "Hamono anareo amin'ny sabany izy ireo" (UDB) na "ho faty any an'ady ianareo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ho takatrareo hoe iza Izaho, Yaveh" na 2) "ho takatrareo fa Izaho no Yaveh, ilay Andriamanitra marina tokana" na 3) "ho fantatrareo fa Izaho, Yaveh, dia manana fahefana hanao ireo zavatra izay lazaiko fa ho ataoko" (UDB). Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'Israely.
jereo ny fanamarihana ao amin'ny 11:2.
Ity fomba fiteny ity dia mampiasa ny faritany mba hanehoana an'Israely.
ny morony amin'ny firenena iray na faritra
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6
Ity dia nampiasaina eto mba hanamarihana hetsika manan-danja ao amin'ny tantara. Raha toa ny fiteninao ka manana fomba hanaovana izany, dia ampiasao eto izany.
Izy dia iray tamin'ireo mpitarika ratsy fanahin' Israely voatonona ao amin'ny 11:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:27. ,
Miteny ity Ezekiela mba hampisehoana ny tahotrany momba an'izay hitranga amin'ny sisan'ny vahoaka any.
"Nilaza an'ireo teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Natao indroa ity mba ho fanamafisana.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
DH: "momba azy rehetra ireo no lazain'ny olona mipetraka any Jerosalema" na "ny olona mipetraka any Jerosalema dia milaza momba azy rehetra hoe"
Ny fandikana sasany amin'izao dia manao hoe "izy rehetra ireo no nilazana hoe"
Yaveh dia manome an'i Ezekiela ny hafany amin'Israely momba an'ireo izay niparitaka.
DH: "niaraka tamin'izy ireo mba hiaro azy ireo Aho."
DH: "Ireo firenena izay nalain'izy ireo"
Yaveh dia milaza ity fampanantenana ity indroa amin'ny fomba samihafa mba hampisehoana fa zava-dehibe izany. DH: "Hitondra anareo hiverina avy any amin'ireo firenen'ny olona Aho"
DH: "mahatsiravina" na "manafintohina"
Andriamanitra manohy ny faminaniana an'izay hitranga amin'ireo Israelita niparitaka
Ity dia fomba hilazana fa Andriamanitra dia hanova ny toe-tsain'izy ireo amin'ny fikomiana am-pahamafisan-doha. DH: "ny fahamafisan-dohan'izy ireo"
Ity dia fomba hilazana fa Andriamanitra dia hanova ny toe-tsain'izy ireo mba hanaiky ny didiny. DH: "fahavononana hankato"
Ny tsirairay amin'ireo fehezanteny ireo dia mamaritra ny vahoaka mankato an'izay nandidian'i Yaveh azy ireo mba hatao.
DH: "am-panoloran-tena"
DH: "zavatra manafintohina"
DH: "fihetsika"
DH: "hiverina amin'ireo olona ireo"
Ny kerobima ao amin'ny toko faha-10 dia mamela ny tempoly sy ny tanàna miaraka amin'ny voninahitr'Andriamanitra.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "kodia" tao amin'ny 1:15.
Ny "sesitany" dia maneho an'ireo Israelita noterena hipetraka ao Kaldea.
1 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Ry zanak'olona, ianao dia monina eo anivon'ny taranaka mpikomy, izay manana maso hijerena fa tsy mijery; ary manana sofina handrenesana fa tsy mihaino, satria taranaka mpikomy izy ireo. 3 Noho izany raha ny aminao, ry zanak'olona, dia homano ireo entanao ho amin'ny sesitany, ary manomboha mivoaka imason'izy ireo amin'ny andro mazava, fa Izaho dia hambabo anao eo imason'izy ireo avy eo amin'ny toeranao mankany amin'ny toerana hafa. Angamba mety hanomboka hahita izy ireo, na dia taranaka mpikomy aza. 4 Ho entinao imason'izy ireo amin'ny andro mazava ireo entanao ho amin'ny sesitany; mivoaha imason'izy ireo amin'ny hariva amin'ny fomba fandehan'ny olona ho any amin'ny sesitany. 5 Mandavaha lavaka eo amin'ny rindrina eo imason'izy ireo, ary mandehana eo amin'izany. 6 Eo imason'izy ireo, hampiakaro ho eo an-tsorokao ny entanao, ary ento amin'ny maizina ireo. Saromy ny tavanao, fa tsy tokony hahita ilay tany ianao, satria napetrako ho famantarana ho an'ny ankohonan'Israely ianao." 7 Koa dia nataoko izany, araka ny nandidina ahy. Nentiko nivoaka tamin'ny andro mazava ireo entako ho amin'ny sesitany, ary ny hariva dia nandavaka lavaka teo amin'ny rindrina tamin'ny tanana aho. Nentiko tamin'ny aizina ireo entako, ary nampiakariko teo an-tsoroko teo imason'izy ireo izany. 8 Avy eo tonga tamiko ny tenin'i Yaveh ny maraina, nanao hoe: 9 "Ry zanak'olona, moa ny ankohonan'Israely, izany taranaka mpikomy izany, tsy nanontany hoe: 'Inona ity ataonao?' 10 Lazao azy ireo hoe: 'Izao no ambaran'ny Tompo Yaveh: ity asa faminaniana ity dia mahakasika ny andriandahin'i Jerosalema, sy ny ankohonan'Israely rehetra izay eo anivon'izy ireo.' 11 Lazao hoe: 'Famantarana ho anareo Aho. Araka izay efa nataoko no ho atao amin'izy ireo; ho any an-tsesitany sy fahababoana izy ireo. 12 Ny andriandahy izay eo amin'izy ireo dia hampiakatra ireo entany eo an-tsorony amin'ny maizina, ary handeha eo amin'ny manda. Handavaka eo amin'ny rindrina izy ireo ary hitondra ny entan'izy ireo hivoaka. Hanarona ny tavany izy, ka tsy hahita ilay tany amin'ny masony. 13 Haparitako aminy ny haratoko ary ho tratra ao amin'ny fandriko izy; avy eo ho entiko any Babylona, ilay tanin'ireo Kaldeana izy, fa tsy hahita izany. Ho faty any izy. 14 Haparitako amin'ny lalana rehetra ihany koa ireo rehetra manodidina azy dia izay manatrika azy sy ny tafiny rehetra, ary handefa sabatra hanenjika azy ireo Aho. 15 Avy eo ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh, rehefa haparitako eo amin'ireo firenena izy ireo ary haeliko manerana ireo tany. 16 Fa hamindra fo olona vitsy eo amin'izy ireo Aho amin'ny sabatra, mosary, sy areti-mandringana, mba hitahiry ny fahavetavetan'izy ireo rehetra eo amin'ireo tany izay hangalako azy izy ireo, ka ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh.'" 17 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 18 "Ry zanak'olona, hano am-pangovitana ny mofonao, ary sotroy am-pangovitana sy tahotra ny ranonao. 19 Avy eo lazao amin'ireo vahoakan'ny tany hoe: 'Ny Tompo Yaveh dia milaza izao mahakasika an'ireo mponin'i Jerosalema, sy ny tanin'Israely: Hihinana ny mofony am-pangovitana izy ireo ary hisotro ny ranon'izy ireo eo am-pangovitana, satria ho foana amin'ny fahafenoany ny tany nohon'ny herisetran'ireo rehetra monina ao. 20 Koa ho lao ireo tanàna izay tsy nisy mponina, ary ho ngazana ilay tany; dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh.'" 21 Tonga tamiko indray ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 22 "Ry zanak'olona, inona ity ohabolana izay anananareo eo amin'ny tanin'Israely ity izay manao hoe: 'Mihalava ny andro, ary tsy mahomby ny fahitana rehetra'? 23 Noho izany, lazao azy ireo hoe: 'Ny Tompo Yaveh dia milaza izao: Ho faranako ity ohabolana ity, ary tsy hampiasa izany intsony ny vahoakan'Israely.' Lazao azy ireo hoe: 'Manakaiky ny andro rehefa ho tanteraka ny fahitana rehetra. 24 Fa tsy hisy fahitana diso intsony na sikidy tsara ao amin'ny ankohonan'Israely. 25 Fa Izaho no Yaveh! Miteny Aho, ary manao ireo teny izay teneniko. Tsy ho tara intsony ireo izay nolazaiko. Fa hiteny izany teny izany Aho amin'ny andronareo, ry taranaka mpikomy, ary hanao izany! —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.'" 26 Tonga tamiko indray ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 27 "Ry zanak'olona! Indro, ny ankohonan' Israely dia niteny hoe: 'Ny fahitana izay hitany dia ho amin'ny andro maro manomboka ankehitriny, ary maminany ny amin'ny fotoana mbola lavitra izy.' 28 Noho izany dia lazao azy ireo hoe: 'Ny Tompo Yaveh dia milaza izao: Ireo teniko dia tsy ho tara intsony, fa ny teny izay nolazaiko dia ho atao—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.'"
"Niteny an'ireo teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mampiasa na maso na sofina mba hanehoana ny fahaizan'ny olona hianatra. DH: "manana fahaizana hianatra izy ireo fa saingy mifidy ny tsy hianatra"
Ezekiela dia manao hafa amin'ireo fanoharana
"noho izany dia ho anao ity"
DH: "Angamba mety hanomboka hahatakatra izay faritanao izy ireo" Ny teny hoe "hahita" dia nampiasaina mba hanehoana ny fahaizan'ny vahoaka Jiosy mahatakatra.
Andriamanitra dia miresaka amin'i Ezekiela mamaritra ny fomba tokony hanaovany an'ilay fanoharana.
Ny teny hoe "izy ireo" dia maneho ny vahoakan' Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:16.
DH: "napetrako ho fanitsiana ny eritreritr'izy ireo ianao"
Ezekiela mampiseho ny vahoakan'Israely fa ho terena ho any an-tsesitany tsy ho ela izy ireo.
DH: "nandavaka lavaka teo amin'ny rindrina tamin'ny tanako"
DH: "ny alina raha mbola maizina"
"niteny an'ireo teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:16.
Andriamanitra dia mametraka an'ity fanontaniana ity amin'i Ezekiela mba hampisehoana fa tsikaritry ny vahoakan'Israely ny nataon'i Ezekiela. DH: "Ezekiela, ny vahoakan' Israely, ireo izay tsy mankato Ahy, dia nahatsikaritra an'izay ataonao."
DH: "izay eo amin'izy ireo"
"ny alina raha mbola maizina"
Ireo teny hoe "harato" sy "fandrika" dia nampiasaina satria ireo dia fomba samihafa hamandrihana biby. Andriamanitra dia mahafantatra izay ho ataon'ny mpitarik'i Jerosalema ary nametraka hetsika mba ho tratra izy rehefa miezaka ny hitsoaka.
Ny teny hoe "sabatra" dia nampiasaina mba hanehoana tafin-dehilahy mitondra sabatra.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy hevitra. DH: "rehefa hampisarahako izy ireo ary hipetraka amin'ny firenena samihafa."
Ny teny hoe "sabatra" dia maneho ny fahafatesana any an'ady. DH: "amin'ny fahafatesana"
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
DH: "hiaino amin-tahotra lehibe ny fiainanao an-davan'andro." Ny mihinana sy misotro dia zavatra mahazatra atao eo amin'ny fiainana ary noho izany dia milaza an'i Ezekiela mba hiaina amin-tahotra lehibe.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy hevitra ay manamafy fa tena hatahotra ny vahoaka, eny fa na eo am-panaovana an'ireo zavatra mahazatra indrindra toy ny mihinana sy misotro aza. DH: "hiaina ny fiainana an-davan'andro amin-tahotra lehibe izy ireo."
Ny "lao" dia mamaritra ny toerana izay tsy misy na iza na iza mipetraka. DH: "ny olona ao amin'ireo tanàna dia hiala na ho faty"
Jereo ny fomba nandikana ity fehezanteny ity tao amin'ny 6:6.
"Niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Ity dia fomba fitenin'ny vahoakan'Israely izay tsy nino fa hitsara azy ireo Andriamanitra. DH: "Andro maro no lasa tsy nisy fitsaran' Andriamanitra, diso ny fampitandreman'ny mpaminany"
Ity fehezanteny ity dia maneho ireo andro izay hitsaràna an'Israely. DH: "ho avy tsy ho ela ireo andro fitsaràna"
Hiseho ireo fahitana omen'Andriamanitra an'ireo mpaminany. DH: "Hitranga avokoa ny faminaniana rehetra"
Yaveh miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
"hitranga tsy ho ela izay nolazaiko"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny zavatra rehetra izay lazaiko dia hitranga" (UDB) na 2) "hiteny izany hafatra izany" na 3) "hiteny izany faminaniana izany"
"raha mbola velona ianareo"
"Niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Ezekiela no resahina eto
Ny teny hoe "azy ireo" dia maneho ny vahoakan' Israely.
Ny teny hoe "indro" eto dia manaitra antsika mba hifantoka amin'ny fampahafantarana manaitra izay manaraka eo.
Ireo fehezanteny ireo dia samy fomba hilazan'ny vahoakan'Israely fa ny fampitandreman'i Ezekiela dia tsy hitranga amin'ny androm-piainan'izy ireo fa hitranga lavitra any aoriana.
Ireo fehezanteny ireo dia samy fomba hilazan' Andriamanitra ny vahoakan'Israely fa ireo zavatra izay nampitandreminy dia hitranga tsy ho ela.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
1 Tonga tamiko indray ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Ry zanak'olona, maminania manohitra ireo mpaminany izay maminany any Israely, ka lazao amin'ireo izay maminany araky ny eritreritr'izy ireo manokana hoe: 'Henoy ny tenin'i Yaveh. 3 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Loza ho an'ireo mpaminany adala izay manaraka ny fanahiny ihany, saingy tsy nahita na inona na inona! 4 Ry Israely, ireo mpaminaninao dia efa tahaka ny amboadia eny amin'ny tany ngazana. 5 Tsy nandeha namotika ny rindrina manodidina ny ankohonan'Israely ianao mba hanamboarana izany, mba hiharitra amin'ny ady amin'ny andron'i Yaveh. 6 Manana fahitana diso ny vahoaka ary manao faminaniana sandoka, ireo izay miteny hoe: "Izao sy izao no fanambaran'i Yaveh." Tsy naniraka azy ireo i Yaveh, nefa na dia izany aza izy ireo dia nampanantena ny vahoaka fa ho tanteraka ireo hafatr'izy ireo. 7 Moa tsy mba efa nanana fahitana diso ianao ary nanao faminaniana sandoka, ianao ilay miteny hoe: "Izao sy izao no fanambaran'i Yaveh" nefa Izaho tenako ary tsy niteny?' 8 Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: 'Satria ianareo efa nanana fahitana diso sy nilaza lainga—noho izany dia izao no fanambaran'ny Tompo Yaveh manohitra anareo: 9 Hamely ireo mpaminany izay manana fahitana mandainga sy izay manao faminaniana sandoka ny tanako. Tsy ho ao amin'ny fiangonan'ny vahoakako, na ho soratana anarana ao amin'ny firaketan'ny ankohonan'Israely izy ireo; tsy mba handeha any amin'ny tanin'Israely izy ireny. Fa ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Yaveh! 10 Noho izany, ary satria izy ireo nitarika ny vahoakako tany amin'ny lalan-diso ka niteny hoe: "Fiadanana!" nefa tsy nisy fiadanana akory, dia manorina rindrina izay ho lalorin'izy ireo amin'ny loko fotsy izy ireo.' 11 Lazao amin'ireo izay mandalotra ny rindrina hoe: 'Hianjera izany; hisy latsak'orambe, ary handefa havandra Aho mba hampienjera izany, ary tafio-drivotra mba handrodana izany. 12 Indro, hianjera ny rindrina. Moa ve tsy niteny taminareo ny hafa hoe: "Aiza ny lalotra fotsy izay nataonareo tamin'ity?" 13 Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Hitondra tafio-drivotra amin'ny hatezerako Aho, ary hisy tondra-drano amin'ny fahavinirako! Ny havandra no hamotika tanteraka izany amin'ny hatezerako. 14 Fa hamotipotika ny rindrina izay nosaronanareo tamin'ny lalotra fotsy Aho, ary handrodana izany amin'ny tany sy hampiharihary ny fanambaniny. Ka dia hianjera izany, ary ianareo rehetra ho ringana eo afovoan'izany. Ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh. 15 Fa Izaho handringana ny rindrina amin'ny hatezerako sy ireo rehetra nandalotra izany. Hilaza aminareo Aho hoe: "Tsy misy intsony ny rindrina, na ny olona izay nandalotra izany— 16 ireo mpaminanin'Israely izay naminany momban'i Jerosalema sy nanana fahitana fiadanana ho azy. Kanefa tsy misy fiadanana! —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh."' 17 Koa ianao, ry zanak'olona, hampanatreho ny zanaka vavin'ny vahoakanao izay maminany araky ny eritreritr'izy ireo manokana ny tavanao, ka maminania manohitra azy ireo. 18 Lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Loza ho an'ireo vehivavy izay manjaitra ody mahatsara vintana eo amin'ny faritry ny tanany rehetra ary manao voaly araka ny habe samihafa ho amin'ny lohan'izy ireo, ampiasaina hihazàna olona. Hihaza ny oloko ve ianareo mba hanavotana ny ainareo? 19 Efa naniratsira Ahy tamin'ny vahoakako tamin'ny vary hordea iray tanana sy sombintsombi-mofo ianareo, mba hamonoana olona izay tsy tokony ho faty, ary hihazonana ny ain'ireo izay tsy tokony hanohy hiaina intsony, noho ireo lainganareo tamin'ny oloko izay nandre anareo. 20 Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Izaho dia manohitra ireo ody mahatsara vintana izay nampiasainareo hamandrihana ny ain'olona toy ny hoe vorona ireny izy ireo. Hamotipotika ireny avy eo an-tananareo Aho; ary ny olona izay voafandrikareo tahaka ny vorona—hamela azy ireo handeha malalaka Aho. 21 Hanendaka ireo voalinareo Aho ka hamonjy ny vahoakako eo an-tananareo, mba tsy ho voafandrika eo an-tananareo intsony izy ireo. Ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh. 22 Satria ianareo manakivy ny fon'ny olo-marina amin'ny lainga, na dia tsy naniry ny fahakiviany aza Aho, ary satria nampahery ireo fihetsiky ny olona ratsy fanahy ianareo ho setrin'izany mba tsy hiviliany amin'ny fombany mba hanavotany ny ainy— 23 noho izany dia tsy hanana fahitana diso ianareo na hanohy hanao faminaniana sandoka intsony, satria hamonjy ireo oloko hivoaka eo an-tananareo Aho. Ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh.'"
"Niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Ezekiela (izaho)
Ity dia nampiasaina mba hanehoana an'ireo mpaminany izay manao izay tian'izy ireo. Ny teny hoe "fanahy" dia maneho ny eritreritr'izy ireo ary ny teny hoe "manaraka" dia maneho an'izay atao'izy ireo.
bibidia toy ny alika
Tahaka ny ambodia izay mangalatra sakafo amin'ireo biby hafa any an'efitra, no hangalaran'ireo mpaminany amin'ny vahoakan'Israely rehefa mandainga ho nahazo hafatra avy amin'Andriamanitra izy ireo.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
"miaro"
Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hitenenana mafy an'ireo mpaminany diso. DH: "Nanana fahitana diso ianao ... satria Izaho tenako tsy niteny."
Satria tsy tena nandray hafatra avy amin'i Yaveh ireo mpaminany diso, dia tsy marina izay lazain'izy ireo momban'ny ho avy.
Ity dia fehezanteny nampiasaina mba hanehoana an'izay rehetra mety nolazain'ilay mpaminany. Ny fiteninao dia mety manana fomba hafa hitenenana ity. "izao no nolazain'i Yaveh ahy" (UDB)
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Yaveh miresaka amin'ny vahoakan'Israely sy mamerina an'ireo fehezanteny amin'ny fomba hafa mba hanehoana ny fahamarinan'ireo.
DH: "nandainga ho nahazo hafatra avy amin' Andriamanitra"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
ny teny hoe "tanana" matetika dia nampiasaina ho fanehoana ny fahefan'i Yaveh.
DH: "izay manana hafatra avy amin'Andriamanitra nefa mandainga"
DH: "voasoratra anaty lisitra ho iray amin'ny vahoakako" Ity dia fomba roa hamaritana zavatra mitovy.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
Ny teny hoe "izany" dia maneho ny fampanantenan'i Yaveh hanery an'ireo mpaminany sandoka hivoaka an'Israely.
Ny hoe "izay ireo" dia maneho an'ireo mpaminany sandoka any amin'ny tanin'Israely.
Eto ny hoe "rindrina" dia mijoro ho an'ny fiadanana sy fiarovana izay nolazain'ireo mpaminany sandoka tamin'ny vahoaka fa nampanantenain'i Yaveh homena azy ireo.
Mampiasa tafio-drivotra Andriamanitra mba hanehoana an'ireo tafika izay hanafika an'i Jerosalema.
vaingan-dranomandry izay matetika milatsaka avy eny an-danitra mandritry ny oram-baratra.
Mametraka ity ho fanontaniana Ezekiela mba hahazoana valiny. DH: "azo antoka ireo hafa fa niteny taminareo hoe ... ity!"
Mampiasa tafio-drivotra Andriamanitra mba hanehoana an'ireo tafika izay hanafika an'i Jerosalema.
"rehefa miasa amin'ny hatezerako Aho dia hitondra tafio-drivotra"
"rehefa miasa amin'ny hatezerako Aho dia hitondra oram-be"
"rehefa miasa amin'ny hatezerako Aho dia hitondra havandra mba handrava an'ireo manda izay atsangan'ny vahoaka"
"tsy handrakotra"
"tonga amin'ny fiafaranareo" na "rava tanteraka"
Ireo mety ho heviny dia 1) "hahatakatra hoe iza Aho, Yaveh" na 2) "hahatakatra fa Izaho no Yaveh, ilay Andriamanitra marina tokana" na 3) "hahafantatra fa Izaho, Yaveh dia manana ny fahefana hanao izay lazaiko fa ho ataoko" (UDB)
maneho an'i Yaveh
"rehefa miasa amin'ny hatezerako Aho dia hitondra fiafarana"
"nandoko ny rindrina ho fotsy" (Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 13:10)
"tsy eo intsony ilay rindrina, na ny olona"
Ny teny hoe "azy" dia maneho an'i Jerosalema.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 4:1.
vehivavin'Israely.
Ity dia midika fa mamorona faminaniana avy amin'ny sary an-tsain'izy ireo ihany izy ireo. DH: "maka sary an-tsaina y faminaniany manokana"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 4:6.
zavatra izay noheverina ho manana fiasa mahagaga.
haingo izay anaovan'ny mpaminanivavy toy ny "fandrika" satria izy ireo dia nampiasa ny hatsarana, zava-miafina ary lainga mba hamandrihana ny olona mba hilazan'izy ireo fa mino azy ireo izy ireo ary manota amin'Andriamanitra.
Yaveh manohy miresaka manohitra an'ireo mpaminanivavy diso ao Israely.
Ny vary hordea dia voa izay nampiasaina mba hanaovana mofo ary ny teny hoe "sombiny" dia ampahana mofo. Ireo dia samy ampahana sakafo ary nampiasaina mba hanamafisana ny hakelin'ny karama amin'ireo mpaminanivavy.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:5.
zavatra izay noheverina ho manana fiasa mahagaga.
Ny fandrika dia tady kely mifatotra izay misambotra zavatra amin'ny tongotra.
Yaveh dia mampitaha ny haingon'ireo mpaminanivavy amin'ny fandrika ho an'ny vorona.
Ny teny hoe "tanana" dia maneho ny fahefan'ireo mpaminanivavy. Ny lainga izay ampiasain'izy ireo mba hamehezana ny vahoakan'Israely dia tahaka ny tanana izay mihazona azy ireo tsy handositra. DH: "hanala ireo tsy ho eo amin'ny fahefanareo"
Ny filazana ny hoe tsy ho voafandrika izy ireo dia mitovy amin'ny miteny hoe ho afaka izy ireo. Ny fehezanteny hoe "voafandrika eo an-tananareo" dia maneho ny vahoakan'Israely eo ambany fahefan'ireo mpaminanivavy sandoka. DH: "ho afaka amin'ny fifehezanareo izy ireo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "hahatakatra hoe iza Izaho, Yaveh" na 2) "hahatakatra fa Izaho no Yaveh, ilay Andriamanitra marina tokana" na 3) "hahafantatra fa Izaho, Yaveh, dia manana fahefana hanao izay lazaiko fa ho ataoko" (UDB)
Ny fon'ny olo-marina dia nampiasaina mba hanehoana ny fihetseham-pon'izy ireo. DH: "manakivy ny olo-marina"
Ny mitsahatra amin'ny fanaovana zavatra dia aseho toy ny hoe mivily any amin'ny lalana samihafa. DH: "mijanona tsy manao izay ataony"
Ireo fehezanteny roa ireo dia samy maneho ny firesahana momban'izay hitranga amin'ny ho avy. DH: "manohy manao faminaniana diso"
Ny teny hoe "tanana" dia nampiasaina mba hanehoana ny fifehezan'ireo mpaminanivavy. DH: "tsy ho amin'ny fifehezanao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "hahatakatra hoe iza Izaho, Yaveh" na 2) "hahatakatra fa Izaho no Yaveh, ilay Andriamanitra marina tokana" na 3) "hahafantatra fa Izaho, Yaveh, dia manana fahefana hanao izay lazaiko fa ho ataoko" (UDB)
1 Nanatona ahy ny sasany tamin'ireo loholon'Israely ary nipetraka teo anoloako. 2 Ary tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 3 "Ry zanak'olona, ireo lehilahy ireo dia nandray tao am-pony ireo sampin'izy ireo ary nametraka ny vato fanafintohinana ny helok'izy ireo teo anatrehan'ny tavan'izy ireo. Tokony anontanian'izy ireo amiko ve izany rehetra izany? 4 Noho izany dia ambarao amin'izy ireo izany ary lazao amin'izy ireo hoe: 'Izao no ambaran'ny Tompo Yaveh: Ny olona rehetra ao amin'ny ankohonan' Israely izay maka ao am-pony ny sampiny, na mametraka vato fanafintohinana ny helony eo anoloan'ny tavany, ary avy eo manatona mpaminany—Izaho, Yaveh, dia hamaly azy araka ny isan'ny sampiny. 5 Ho ataoko izany mba hamerenako ny ankohonan'Israely ao am-pon'izy ireo izay noesorina lavitra teo amiko tamin'ny alalan'ireo sampin'izy ireo.' 6 Noho izany ambarao amin'ny ankohonan'Israely hoe: 'Izao no ambaran'ny Tompo Yaveh: Mibebaha ary mialà amin'ny sampinareo! Omeo lamosina ny fahavetavetanareo rehetra. 7 Ho an'ny olon-drehetra avy amin'ny ankohonan' Israely sy ny vahiny rehetra mijanona ao Israely izay mivadika amiko, izay mandray ao am-pony ireo sampiny ka mametraka vato fanafintohinana ny helony eo anoloan'ny tavany, ary manatona mpaminany avy eo mba hitady Ahy—Izaho, Yaveh, mihitsy no hamaly azy. 8 Koa hanandrina izany olona izany ny tavako ary hanao azy ho famantarana sy ohabolana, satria ho fongorako tsy ho eo amin'ny vahoakako izy, ary ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh. 9 Raha misy mpaminany voafitaka ary milaza hafatra, dia Izaho, Yaveh, no hamitaka izany mpaminany izany; haninjitra ny tanako aminy Aho ary hamotika azy eo amin'Israely vahoakako. 10 Hizaka ny helony ihany izy ireo; ny heloky ny mpaminany dia hitovy amin'ny helok'izay manontany azy. 11 Noho izany, dia tsy hisintaka amin'ny fanarahana Ahy intsony ny ankohonan' Israely na handoto ny tenan'izy ireo amin'ireo fandikan-dalàna rehetra intsony. Ho vahoakako izy ireo, ary ho Andriamanitr'izy ireo Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.'" 12 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 13 "Ry zanak'olona, raha manota Amiko ny tany iray amin'ny fanaovana izay mahadiso dia haninjitra ny tanako eo amin'izany Aho ary hanapaka ny tehin'ny mofony, ary handefa mosary eo amin'izany sy handringana ny olona sy ny biby eo amin'ilay tany; 14 ary na ireto lehilahy telo ireto aza—Noa, Daniela, sy Joba—no eo afovoan'ilay tany, dia tsy afaka ny hanavotra afa-tsy ny ainy ihany izy ireo amin'ny fahamarinan'izy ireo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 15 Raha mandefa bibidia masiaka manerana ilay tany Aho ka mandringana izany mba ho lasa tany lao izay tsy afaka dinganin'ny olona noho ireo biby, 16 dia na ao amin'izany aza ireo lehilahy telo ireo—raha mbola velona Aho, hoy ny Tompo Yaveh—dia tsy ho afaka ny hanavotra izy ireo na dia ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy aza; ny ain'izy ireo ihany no ho avotra, fa ilay tany dia ho lasa tany lao. 17 Na raha mitondra sabatra amin'izany tany izany Aho ka miteny hoe: 'Ry sabatra, mandehana manerana ilay tany ary haringano hiala ao amin'izany ny olona sy ny bibidia', 18 dia na dia eo afovoan'ilay tany aza ireo lehilahy telo ireo—raha mbola velona Aho, hoy ny Tompo Yaveh—dia tsy ho afaka ny hanavotra izy ireo na dia ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy aza; ny ain'izy ireo ihany no ho avotra. 19 Na raha mandefa areti-mandringana amin'io tany io Aho ary mandraraka ny hatezerako eo amin'izany amin'ny alalan'ny fandatsahan-drà, mba handringanana ny olona sy ny bibidia, 20 dia na dia ao amin'izany tany izany aza i Noa, Daniela, ary Joba—dia tsy ho afaka ny hanavotra izy ireo na dia ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy aza; ny ain'izy ireo ihany no ho avotra nohon'ny fahamarinan'izy ireo. 21 Fa izao no ambaran'ny Tompo Yaveh: Azo antoka fa ho ataoko miharatsy ny toe-javatra amin'ny alalan'ny fandefasako ny famaizako efatra—mosary, sabatra, bibidia, ary areti-mandringana—amin'i Jerosalema mba handringanana ny olona sy ny bibidia eo aminy. 22 Kanefa, indro! Hisy ho tavela ao aminy, ireo sisa velona izay hivoaka miaraka amin'ireo zanaka lahy sy ireo zanaka vavy. Indro! Hivoaka ho any aminao izy ireo, ary hahita ireo fomba sy fihetsik'izy ireo ianao ka hionona mahakasika ny famaizana izay efa nalefako tany Jerosalema, sy momban'ireo zavatra hafa rehetra izay nalefako teo amin'ilay tany. 23 Ireo sisa velona dia hampionona anareo rehefa hitanareo ireo fomba sy fihetsik'izy ireo, koa dia ho fantatrareo ireo zavatra rehetra efa vitako taminy, fa tsy nataoko zava-poana ireo! —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh."
"Niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
DH: "nandray ny sampin'izy ireo ho tena manan-danja" na "manana fitiavana ho an'ny sampin'izy ireo"
Andriamanitra dia milaza fa ireo sampy dia napetrak'ireo lehilahy teo amin'izay hahitan'izy ireo izany. Ity dia mampiseho ireo sampy dia manan-danja amin'izy ireo. DH: "eo amin'izay hahitana izany"
Ireo sampy dia aseho toy ny hoe zavatra izay hataon'ny fahotan'izy ireo handehanana sy hianjerana.
DH: "Tsy tokony hanontany ahy na inona na inona izy ireo."
Ny teny hoe "izy ireo" dia maneho an'ireo "lehilahy avy amin'ireo loholon'Israely"
DH: "izay mandray ireo sampiny ho tena manan-danja" na "izay manana fitiavana ho an'ireo sampiny"
Ny hoe "eo anoloan'ny tavany" dia midika hoe "amin'ny fifantohany tanteraka." DH: "ny sampy izay nanotàny tamin'ny fanompoana izay"
Ny olona dia mankany amin'ny mpaminany mba hihaino izay lazain'Andriamanitra.
DH: "firy ny isan'ny sampy hananany"
DH: "mba hanaovako ny vahoakan'Israely ho tia Ahy indray"
Milaza Izy fa hamerina azy ireo mba hitiavan'izy ireo Azy indray na dia nanosika azy ireo lavitra an'Andriamanitra aza ny sampin'izy ireo.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
Ireo fehezanteny roa ireo dia samy fomba hilazana amin'ny vahoakan'Israely mba hijanona amin'ny fanompoan-tsampy.
Ireo teny hoe "mibebaha" sy "mialà" dia mitovy hevitra. Izy roa miaraka dia manamafy ny baiko mba hitsahatra amin'ny fanompoan-tsampy.
DH: "izay mihevitra an'ireo sampiny ho tena manan-danja" na "izay manana fitiavana ho an'ireo sampiny"
DH: "ny sampy izay nanotàny tamin'ny alalan'ny fanompoana izany"
DH: "hanohitra azy Aho" na "hanolotra ny fifantohako mba hanohitra azy Aho"
Eto ireo teny hoe "famantarana" sy "ohabolana" dia maneho zavatra izay ampiasaina ho fampitandremana an'ireo hafa momba an'ireo vokatra ratsin'ny fitondrantena ratsy.
Ny tanan'Andriamanitra dia maneho an'izay ataony. DH: "hiasa hanohitra azy Aho"
DH: "ho tompon'andraikitra amin'izay tsy nety nataony izy ireo"
Ny fehezanteny hoe "hisintaka amin'ny fanarahana Ahy" dia mampitaha ny tsy fanaovana an'izay tian'Andriamanitra amin'ny fisintahana aminy.
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Noa, Daniela, ary Joba
Afaka alamina ity hoe: "ny Tompo Yaveh dia manambara hoe "raha mbola velona Aho"
"ny ain'izy ireo ihany no ho avotan'i Yaveh"
Noa, Daniela, ary Joba
Afaka alamina ity hoe: "ny Tompo Yaveh dia manambara hoe "raha mbola velona Aho"
Tahaka ny hihazonan'ny siny rano, dia nihazona ny fitsaràna Andriamanitra. Noho izany ny hoe "mandraraka ny hatezerako" dia midika fa tsy hisalasala amin'ny fiasana amin'ny hatezerany intsony Andriamanitra fa hiasa amin'ny hatezerany hanohitra ny vahoakan'Israely.
Ity fehezanteny ity dia maneho ny fahafatesana toy ny fitsaràna avy amin'Andriamanitra nohon'ny fahotana. DH: "hamonoana ny olona sy ny bibidia"
eo amin'i Jerosalema.
Yaveh dia manohy miresaka amin'i Ezekiela momban'ny sazin'ny vahoakan'Israely.
Ny teny hoe "indro!" eto dia manaitra antsika mba hifantoka amin'ny fampahafantarana manaitra izay manaraka eo.
Jerosalema no resahina eto.
Ireo dia samy maneho an'izay nataon'ny vahoakan'Israely. DH: "ny fomba fiainan'izy ireo" na "ny zavatra ataon'izy ireo"
1 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Ry zanak'olona, inona no mahatsara ny tahom-boaloboka bebe kokoa noho ny hazo rehetra misy rantsana izay eo amin'ireo hazo ao an'ala? 3 Moa ve ny olona maka hazo avy amin'ny tahom-boaloboka mba hanaovana zavatra? Na moa ve izy ireo manao fanantonana avy amin'izany mba hanantonan-javatra? 4 Indro! Raha atsipy anaty afo atao kitay izany, ary raha nandoro ny morony roa sy ny eo afovoany ny afo, moa mbola tsara hanaovan-javatra ve izany? 5 Indro! Rehefa tanteraka izany, dia tsy afaka hanaovana na inona na inona; azo antoka avy eo fa, rehefa nirehitra ilay afo, dia tsy mbola azo hanaovana na inona na inona izany. 6 Noho izany ny Tompo Yaveh dia milaza izao: Tsy toy ireo hazo any an'ala, efa nanome ny tahom-boaloboka ho kitay ho an'ny afo Aho; hanao tahaka izany koa Aho amin'ireo mponin'i Jerosalema. 7 Fa hanohitra azy ireo ny tavako. Na dia mivoaka avy ao amin'ny afo aza izy ireo, dia handevona azy ireo ny afo; dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh, rehefa nanohitra azy ireo ny tavako. 8 Avy eo hataoko any amin'ny tany foana ilay tany satria nanota izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh."
Yaveh dia miresaka amin'i Ezekiela ao amin'ity fizaràna ity.
"miteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
DH: "ny tahom-boaloboka dia tsy tsara kokoa noho ny hazo rehetra misy rantsana izay eo amin'ireo hazo ao an'ala."
DH: "Ny olona dia tsy maka hazo avy amin'ny tahom-boaloboka mba hanaovana zavatra."
DH: "izy ireo dia tsy manao fanantonana avy amin'izany mba hanantonan-javatra"
DH: Raha toa ny afo ka nandoro ny morony sy ny eo afovoany, dia azo antoka fa sy tsara hanaovan-javatra intsony izany!
Yaveh manohy miresaka momba an'ilay tahom-boaloboka.
Yaveh miresaka amin'i Ezekiela momban'ny vahoakan'Israely.
toerana iray izay navelan'ny olona rehetra.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
1 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Ry zanak'olona, ampahafantaro momba ireo fahavetavetany i Jerosalema, 3 ary ambarao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh amin'i Jerosalema: Ny fiandohanao sy ny nahaterahanao dia tao amin'ny tany Kanana; Amorita ny rainao, ary Hetita ny reninao. 4 Amin'ny andron'ny fahaterahanao, dia tsy nanapaka ny tadi-poitranao, na nanadio anao tamin'ny rano na nanasa anao tamin'ny ranon-tsira, na nandrakotra lamba nanodidina anao ny reninao. 5 Tsy nisy maso nangoraka anao ka hanao ireo zavatra ireo aminao, mba hangoraka anao. Tamin'ny andro izay nahaterahanao, niaraka tamin'ny fankahalana ho an'ny fiainanao, dia natsipy teo amin'ny saha malalaka ianao. 6 Kanefa nandalo teo aminao Aho, ary nahita anao nihosinkosina tamin'ny rànao; ka hoy Aho taminao tamin'ny rànao hoe: "Miveloma!" hoy Aho taminao tamin'ny rànao hoe: "Miveloma!" [1]7 Nampitomboiko tahaka ny voly eny amin'ny saha ianao. Niha-maro ianao ary niha-lehibe, ka tonga ravaky ny firavaka. Naniry nono ianao, ary niha-natevina ny volonao, na dia nitanjaka sy niboridana aza ianao. 8 Nandalo teo aminao indray Aho, ary hitako ianao. Indro! tonga taminao ny fotoan'ny fitiavana, ka namelatra ny akanjoko taminao Aho ary nanarona ny fitanjahanao. Avy eo dia nianiana taminao Aho ary nitondra anao tamin'ny fanekena—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—ka lasa Ahy ianao. 9 Koa nanasa anao tamin'ny rano sy nanasa ny rà taminao Aho, ary nanosotra diloilo anao. 10 Nampiakanjoko tamin'ireo akanjo misy peta-kofehy ianao ary nasiko kapa hoditra ny tongotrao. Norakofako tamin'ny rongony fotsy madinika ianao ary nosaronako tamin'ny landy. 11 Avy eo dia noravahako tamin'ny firavaka ianao, ary nasiako haingon-tanana ny tananao, ary rojo manodidina ny vozonao. 12 Nasiako kavin'orona ny vavoronao ary kavin-tsofina ny sofinao, ary satro-boninahitra tsara tarehy teo ambony lohanao. 13 Koa voaravaka tamin'ny volamena sy volafotsy ianao, ary niakanjo rongony fotsy madinika, landy, ary akanjo misy peta-kofehy; nihinana koba manify ianao, tantely, ary diloilo, ka tena tsara tarehy tokoa ianao, ary lasa mpanjaka vavy. 14 Niely teo amin'ireo firenena nohon'ny hatsaranao ny lazanao, satria tonga lafatra tamin'ny fiandrianana izay nomeko anao ianao—izany no fanambaran'i Yaveh. 15 Fa natoky ny hatsaranao ianao, ka nanao tahaka ny mpivarotena nohon'ny lazanao; nandraraka ny fivarotan-tenanao tamin'izay rehetra nandalo ianao, ka lasany koa ny hatsaranao. 16 Avy eo dia naka ireo akanjonao ianao ary nanao toerana avo voahaingo karazan-doko tamin'ireo ho anao, ary tao ianao no nanao ny fivarotan-tenanao. Tsy tokony niseho izany. Na hoe tokony tsy nisy ny zavatra tahaka izany. 17 Nalainao ireo firavaka manify vita tamin'ny volamena sy volafotsy izay nomeko anao, ary nanao sarin-dehilahy ho anao ianao, ka nanao tahaka izay ataon'ny mpivarotena tamin'ireo. 18 Nalainao ireo akanjo misy peta-kofehy ary nasaronao ireo, ary napetrakao teo alohan'ireo ny diloiloko sy ireo zava-manitro. 19 Ny mofo izay nomeko anao—vita tamin'ny koba manify, diloilo, ary tantely—dia napetrakao teo alohan'ireo mba ho hanitra ankasitrahana, fa izany no niseho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 20 Avy eo dia nalainao ireo zanakao lahy sy ireo zanakao vavy izay naterakao ho Ahy, ary nataonao sorona ho an'ireo sary izy ireo mba ho voarapaka tahaka ny sakafo. Moa ve olana kely ireo asa fivarotan-tenanao? 21 Novonoinao ireo zanako ary nataonao tao amin'ny afo. 22 Tsy nihevitra momba ireo andron'ny fahatanoranao ianao tamin'ireo fahavetavetanao sy ireo asa fivarotan-tenanao, fony nitanjaka sy niboridana ary mbola nihosona tamin'ny rànao. 23 Loza! Loza ho anao! —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—noho izany, fanampin'ireo haratsim-panahy rehetra ireo, 24 dia nanorina efitrano avo ho anao eraky ny kalamanjana rehetra ianao. 25 Nanorina ny toerana avonao tany amin'ny lohan'ny lalana rehetra ianao ary nanimbazimba ny hatsaranao, fa nanome ny vatanao an'izay rehetra nandalo ianao ary nampitombo asa fivarotan-tena maro. 26 Nanao tahaka ny mpivaro-tena niaraka tamin'ireo Egyptiana, ireo mpiara-moninao be filàna, ary nanao asa fivarotan-tena maro, nahatezitra Ahy ianao. 27 Indro! hamely anao amin'ny tanako Aho ary hanajanona ny sakafonao. Hatolotro an'ireo fahavalonao, dia ireo zanaka vavin'ireo Filistina, izay menatra tamin'ny toetra mamoafadinao ny ainao. 28 Nanao tahaka ny mpivarotena niaraka tamin'ireo Asyriana ianao satria tsy nety afa-po. Nanao tahaka ny mpivarotena ianao ary mbola tsy nety afa-po ihany. 29 Nampitombo asa fivarotan-tena maro tao amin'ny tanin'ireo mpivarotr'i Kaldea ianao, ary na izany aza dia tsy nahafa-po anao. 30 Tahaka ny ahoana ny fahararian'ny fonao—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—no anaovanao ireo zavatra rehetra ireo, dia ireo asan'ireo mpivaro-tena tsy menatra? 31 Nanorina ireo toerana avonao teo amin'ny lohan'ny lalana rehetra ianao ary nanorina trano avo eraky ny kalamanjana rehetra. Fa kosa tsy tahaka ny mpijangajanga ianao satria nandà handray vola. 32 Ianao ry vehivavy mpijangajanga, nanaiky ireo hafa ianao raha tokony ho ny vadinao ihany. 33 Ny olona dia manome vola ireo mpivaro-tena rehetra, fa ianao kosa nanome ny karamanao ho an'ireo olon-tianao rehetra sy namitaka azy ireo mba ho tonga ao aminao avy amin'ny manodidina rehetra ho an'ny asa fivarotan-tenanao. 34 Koa misy fahasamihafana aminao sy ireo vehivavy hafa ireo, satria tsy misy olona manatona anao mba hangataka anao hiara-mandry amin'izy ireo. Fa kosa, mandoa vola amin'izy ireo ianao. Tsy misy olona mandoa vola aminao. 35 Noho izany, ry mpivaro-tena, henoy ny tenin'i Yaveh. 36 Yaveh Tompo milaza izao: Satria ianao nandraraka ny filànao sy nampiseho ny faritra mamoafadinao tamin'ireo asa fivarotan-tena niaraka tamin'ireo olon-tianao rehetra ary niaraka tamin'ireo sampy vetavetanao rehetra, ary nohon'ny ràn'ny zanakao izay nomenao an'ireo sampinao, 37 noho izany, indro! hanangona ireo olon-tinao rehetra izay nihaonanao, ireo rehetra tianao sy ireo rehetra halanao, ary hanangona azy ireo hanohitra anao amin'ny lafiny rehetra Aho. Hampiseho ny faritra mamoafadinao amin'izy ireo Aho mba hahitan'izy ireo ny fitanjahanao rehetra. 38 Fa hanasazy anao amin'ny fijangajanganao sy ny fandatsahan-drà Aho, ary hitondra ireo ràn'ny fahatezerako sy ny fahasarotam-piaroko eo aminao. 39 Hatolotro eo an-tanan'izy ireo ianao mba hanjeran'izy ireo ny efitrano avonao sy handrodanan'izy ireo ny toerana avonao ary hanala ny akanjonao sy haka ireo firavakao rehetra izy ireo. Ho avelan'izy ireo mitanjaka sy miboridana ianao. 40 Avy eo dia hitondra vahoaka hanohitra anao sy hitoraka anao amin'ny vato Aho, ka ho tetitetehin'izy ireo amin'ny sabatr'izy ireo ianao. 41 Handoro ny tranonao izy ireo ary hampitombo ireo sazinao eo imason'ireo vehivavy maro, fa hamarana ny fivarotan-tenanao Aho, ka tsy handoa vola amin'ireo olon-tianao intsony ianao. 42 Avy eo dia hampitony ny hatezerako aminao Aho; hiala aminao ny hatezerako, satria ho afa-po Aho, ary tsy ho tezitra intsony. 43 Satria tsy nahatsiaro ireo andron'ny fahatanoranao ianao ary nampiozongozona Ahy tamin'ny hatezerana noho ireo zavatra rehetra ireo, noho izany, indro! Izaho mihitsy no hampidina ny sazy noho izay vitanao ho eo amin'ny lohanao—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. Moa tsy nampianao fivarotan-tena ve ireo fampiharana maharikoriko hafa rehetra? 44 Indro! Izay rehetra miteny ohabolana mahasika anao dia hiteny hoe: "Tahaka ny reniny ihany, dia tahaka izany koa ny zanany vavy." 45 Zanaka vavin'ny reninao, izay nankahala ny vadiny sy ny zanany ianao, ary rahavavin'ireo rahavavinao izay nankahala ireo vadiny sy ireo zanak'izy ireo. Hetita ny reninao, ary Amorita ny rainao. 46 Ny zokinao vavimatoa dia Samaria ary ireo zanany vavy dia ireo izay monina any avaratra, raha toa ka monina any atsimonao ny rahavavy faravavinao, izany hoe, Sodoma sy ireo zanany vavy. 47 Ianao dia tsy nandeha tamin'ny lalan'izy ireo sy naka tahaka ny fitondran-tenan'izy ireo sy ny fanaon'izy ireo fotsiny ihany, fa ratsy tamin'ny fombanao rehetra noho izy ireo ianao. 48 Raha mbola velona koa Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—Sodoma rahavavinao sy ireo zanany vavy, dia tsy nanao ratsy maro tahaka anao sy izay vitan'ireo zanakao vavy. 49 Indro! Izao no fahotan'i Sodoma rahavavinao: niavonavona tamin'ny fahabetsahan-kaniny, tamin'ny tsy fitandremana sy tsy firaharahiana momban'ny zava-drehetra izy. Tsy nanampy ireo mahantra sy ireo olona mila fanampiana izy. 50 Niavonavona sy nanao asa vetaveta teo anatrehako izy, ka nalako araka ny hitanareo izy ireo. 51 Samaria dia tsy nanao ny antsasaky ny fahotanao akory; ianao kosa nanao zavatra vetaveta maro be noho izay nataon'izy ireo, ary nampiseho ianao fa ireo rahavavinao dia mendrika kokoa noho ianao noho ireo zavatra vetaveta rehetra ataonao! 52 Ianao manokana, no mampiseho ny henatrao; tamin'izany fomba izany no nanehoanao fa ireo rahavavinao dia mendrika kokoa noho ianao, noho ireo fahotana izay nataonao tamin'ireo fomba vetaveta rehetra ireo. Ireo rahavavinao ankehitriny dia toa mendrika noho ianao. Ianao manokana, no nampiseho ny henatrao, ka tamin'izany fomba izany no nanehoanao fa ireo rahavavinao dia mendrika noho ianao. 53 Fa hamerina amin'ny laoniny ireo haren'izy ireo Aho—ireo haren'i Sodoma sy ireo zanany vavy, ary ireo haren'i Samaria sy ireo zanany vavy; fa ireo harenanao kosa dia ho eo amin'izy ireo. 54 Amin'ireo zavatra ireo no hanehoanao ny henatrao; ho afa-baraka nohon'ny zavatra rehetra vitanao ianao, ary amin'izany fomba izany dia ho fampiononana ho azy ireo ianao. 55 Koa i Sodoma rahavavinao sy ireo zanany vavy dia ho averina amin'ny toetran'izy ireo teo aloha, ary i Samaria sy ireo zanany vavy dia ho averina amin'ireo fananany teo aloha. Avy eo ianao sy ireo zanakao vavy ho averina amin'ny fari-piainanao teo aloha. 56 Sodoma rahavavinao dia tsy voatonon'ny vavanao akory tamin'ireo andro nireharehanao, 57 talohan'ny nanambarana ireo haratsianao. Fa ankehitriny dia ambentina fahafaham-baraka amin'ireo zanaka vavin'i Edoma sy amin'ireo zanaka vavin'ireo Filistina rehetra manodidina azy ianao. Manao tsinontsinona anao avokoa ny vahoaka rehetra. [2]58 Haneho ny henatrao sy ireo asa vetavetanao ianao! —izany no fanambaran'i Yaveh! 59 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Hifampiraharaha aminao araka izay mendrika anao Aho, ianao izay nanao tsinontsinona ny voadinao tamin'ny fandravana ilay fanekena. 60 Fa Izaho mihitsy no hampatsiahy ny fifanekeko taminao izay natao tamin'ireo andron'ny fahatanoranao, ary hanao fanekena tsy manam-pahataperana miaraka aminao Aho. 61 Ary hahatsiaro ireo fombanao ianao ka ho menatra rehefa handray ireo zokinao vavy sy ireo zandrinao vavy. Homeko anao tahaka ny zanaka vavy izy ireo, kanefa tsy nohon'ny fanekenao. 62 Izaho mihitsy no hanao ny fanekeko miaraka aminao, ka hahafantatra ianao fa Izaho no Yaveh. 63 Noho ireo zavatra ireo, dia hahatsiaro ny zavatra rehetra ianao ka ho menatra, ary tsy hanokatra ny vavanao mba hiteny intsony ianao nohon'ny henatrao, rehefa namela anao tamin'ireo izay nataonao rehetra Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh."'
Yaveh miresaka amin'i Ezekiela momban'ny fiandohan'ny vahoakan'Israely.
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Ireo roa ireo dia samy miresaka ny fotoana nananganana ny tanànan'i Jerosalema.
Ireo firenena roa ireo dia samy nampandroso ny tanànan'i Jerosalema talohan'ny nisian'ny vahoakan'Israely. DH: "ianao dia natsangan'ireo Amorita sy ireo Hetita"
Yaveh dia mampitaha an'i Jerosalema amin'ny zaza tsy niriana.
"tsy nisy na iza na iza"
"nankahala anao ny olona"
Yaveh manohy miresaka momban'i Jerosalema toy ny zaza tsy niriana izay miha-lehibe ao amin'ny vehivavy tsara.
Yaveh dia mandeha eo akaikin'ilay zaza vao teraka.
volon-dohanao
Eto ilay vehivavy, izay misolo-tena an'i Jerosalema, dia resahina toy ny hoe lasa manify indrindra amin'ny firavaka rehetra izy, izany hoe, toy ny lasa tsara idrindra amin'ny vehivavy rehetra izy
Ny dikanteny sasany vaovao dia mandika hoe "efa lasa antitra ianao mba hanao firavaka"
Manana dika mitovy ireo roa ireo ary manamafy fa tena nitanjaka izy. DH: "tena nitanjaka tanteraka" (UDB)
Yaveh manohy miresaka momban'i Jerosalema sy ny vahoakan'Israely toy ny tovovavy.
Ity dia mba hilazana fa nandalo teo amin'ilay tovovavy i Yaveh
Ity dia mba hilazana fa hitan'i Yaveh hoe efa lehibe ilay tovovavy raha hanambady.
Yaveh manohy miresaka momban'i Jerosalema sy ny vahoakan'Israely toy ny tovovavy.
ravin-damba misy loko samihafa nozairina niaraka mba hanome endrika.
"nampiko haingony ianao"
Yaveh manohy miresaka momban'i Jerosalema sy ny vahoakan'Israely toy ny hoe tovovavy.
"voahaingo"
fantatra sy hajain'ny olona maro.
Yaveh manohy miresaka momban'i Jerosalema sy ny vahoakan'Israely toy ny hoe vadiny.
"nieritreritra fa afaka hamatsy ny zavatra ilainao ny hatsaranao"
Ity dia mampitaha ny vahoakan'Israely manompo sampy amin'ny vehivavy izay karamaina hiara-mandry amin'ny vahiny.
Ireo fihetsika mendrika na tsy mendrika ary ireo hatsarana matetika dia resahina ao amin'ny Baiboly toy ny hoe rano. DH: "nanolo-tena maimaimpoana"
Yaveh manohy miresaka momban'i Jerosalema sy ny vahoakan'Israely toy ny hoe vadiny mampirafy.
"sary sokitra lehilahy" na "sampy izay miendrika olona"
Ity dia fomba mihaja hilazana fa niara-mandry tamin'ireo sarin-dehilahy ilay tovovavy.
"napetrakao toy ny fanatitra eo anoloan'izy ireo"
Yaveh manohy miresaka momban'i Jerosalema sy ny vahoakan'Israely toy ny hoe vadiny mampirafy.
"naterakao"
DH: "ianao dia manao fihetsika toy ny hoe tsy fahotana matotra ny asa fivarotan-tenanao."
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 16:6.
Yaveh manohy miresaka amin'i Jerosalema sy ny vahoakan'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Ity fehezanteny ity dia maneho ny fananganana toerana iray hanompoan-tsampy.
Yaveh manohy miresaka momban'i Jerosalema sy ny vahoakan'Israely toy ny hoe vadiny mampirafy.
Ny fiandohan'ny lalana dia aseho toy ny hoe lohany.
Yaveh manohy miresaka momban'i Jerosalema sy ny vahoakan'Israely toy ny hoe vadiny mampirafy.
DH: "hiasa manohitra anao amin'ny fahefako Aho"
maneho ny fanajanonana ny famatsiana sakafo.
"homeko an'ireo fahavalonao ny ainao"
Satria Jerosalema naseho toy ny hoe tovovavy, dia aseho toy ny hoe tovovavy ihany koa ireo Filistina.
Yaveh manohy miresaka momban'i Jerosalema sy ny vahoakan'Israely toy ny hoe vadiny mampirafy.
Ny teny hoe "fo" dia maneho ny fitiavana sy fahatokiana. DH: "Nahoana no kely loatra ny fitiavanao Ahy?"
Ny teny hoe "mpivaro-tena" dia maneho ny olona izay miara-mandry amin'ny olona maro samihafa." Ny teny hoe "tsy menatra" dia maneho ny olona izay manota am-pahibemaso. Ireo teny roa ireo dia samy mamaritra eritreritra iray. DH: "fivarota-tena mahamenatra"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 16:25.
Yaveh manohy miresaka momban'i Jerosalema sy ny vahoakan'Israely toy ny hoe vadiny mampirafy.
Ity dia maneho ny fanekena olona mba hiara-mandry amin'izy ireo.
Yaveh manohy miresaka momban'i Jerosalema sy ny vahoakan'Israely toy ny hoe vadiny mampirafy.
Ireo fihetsika misy fahamendrehana matetika dia resahina toy ny hoe rano izany.
Ny dikanteny vaovao sasany dia mandika hoe "nandraraka ny harenao"
Ity dia maneho ny famonoana ankizy ho sorona ho an'ireo sampy.
manaitra antsika mba hifantoka amin'izay manaraka eo.
Ny teny hoe "fitanjahana" dia maneho olona iray izay tsy miakanjo fa koa maneho ny fahitana ny hadisoan'olona iray rehetra.
Yaveh miresaka momban'ireo miaramila fahavalo toy ny hoe olo-tian'i Jerosalema.
Ireo fehezanteny ireo dia milaza zavatra mitovy amin'ny fomba samihafa. Io dia manampy fanamafisana an'ilay fehezanteny.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 16:6.
Yaveh miresaka momban'ireo miaramila fahavalo toy ny hoe olo-tian'i Jerosalema.
Ny teny hoe "hatezerana" dia maneho ny sazy izay ampitondrain'i Yaveh satria tezitra Izy. Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy hevitra. DH: "hitsahatra hanasazy anao Aho satria tsy ho tezitra aminao intsony Aho."
Yaveh manohy miresaka momban'i Jerosalema sy ny vahoakan'Israely toy ny hoe vadiny mampirafy.
Yaveh dia maneho ireo fotoana tany aloha. DH: "ny hatsaram-panahiko taminao fony ianao tanora"
Ity dia manaitra antsika mba hifantoka amin'izay manaraka eo.
DH: "hanasazy anao nohon'ny fomba fihetsikao Aho"
Yaveh manohy miresaka momban'i Jerosalema sy ny vahoakan'Israely toy ny hoe vadiny mampirafy.
Ny hoe "indro" dia manaitra antsika mba hifantoka amin'izay manaraka eo.
Yaveh manohy maneho an'ireo firenena hafa toy ny hoe havan'i Jerosalema.
Yaveh manohy maneho an'ireo firenena hafa toy ny hoe havan'i Jerosalema.
Yaveh dia mamaritra an'i Sodoma ho vehivavy mpanan-karena izay manana sakafo mihotra noho ny ampy ary miaina am-pilaminana.
Ireo teny hoe "mahantra" sy hoe "mila fanampiana" dia manamafy fa ireo dia olona izay tsy afaka manampy ny tenan'izy ireo. DH: "tsy nanampy ireo olona izay tsy afaka manampy ny tenan'izy ireo izy"
Yaveh manohy maneho an'ireo firenena hafa toy ny hoe havan'i Jerosalema.
Mampiasa ity fehezanteny ity intelo i Yaveh mba hanamafisana fa ireo tanàna ratsin'i Samaria sy Sodoma dia marina kokoa noho Jerosalema.
Mampiasa ity fehezanteny ity indroa i Yaveh mba hanamafisana ny halehiben'ny fahamenarana nataon'ny vahoakan'i Jerosalema.
Yaveh manohy maneho an'ireo firenena hafa toy ny hoe havan'i Jerosalema.
Ireo fehezanteny roa ireo dia samy maneho an'i Yaveh manasazy ny vahoakan'i Jerosalema am-pahibemaso.
Yaveh manohy maneho an'ireo firenena hafa toy ny hoe havan'i Jerosalema.
DH: "tsy hanonona ny anaran'i Sodoma rahavavinao akory ianao"
maneho an'i Jerosalema ho zavatra izay resahan'ny olona an-karatsiana ny momba azy.
"mankahala"
"Ho afa-baraka ianao ary ho azon'ny olona rehetra ny naha-mpanota anao"
Yaveh manohy miresaka amin'i Jerosalema.
DH: "nanapa-kevitra ny hanao tsinontsinona ny fampanantenanao mba hahafahanao manafoana fifanarahana ara-dalàna"
Yaveh manohy maneho an'i Jerosalema ho vady mampirafy ary ireo firenena hafa toy ny hoe havan'i Jerosalema.
"hampahatadidy"
"hahatadidy ny zavatra rehetra"
DH: "tsy hiteny na inona na inona intsony ianao"
1 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Ry zanak'olona, manaova fampanonona ary milazà fanoharana amin'ny ankohonan'Israely. 3 Lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Nisy voromahery lehibe izay manana elatra lehibe sy volon'elatra lava, feno volom-borona, ary maro loko nankany Libanona ary nihazona ny teo an-tendron'ny hazo sedera. 4 Nanapaka ny tendron'ny ravina eo amin'ireo sampana izany ary nitondra ireo tany amin'ny tany Kanana; namboly izany tao amin'ny tanànan'ireo mpivarotra izy. 5 Naka voan'ny tany misimisy koa izy ary namboly izany tamin'ny tany mahavokatra. Napetrany teo amoron'ny vatan-drano lehibe tahaka ny hazo malahelo izany. 6 Dia nitsimoka ary lasa fielezan'ny voaloboka ambany amin'ny tany izany. Ireo sampany dia niodina teo aminy, ary ireo fakany nitombo teo ambanin'izany. Dia lasa voaloboka sy namokatra rantsana izany ary namoaka sampany. 7 Fa nisy voromahery lehibe hafa koa izay manana elatra lehibe sy volom-borona maro. Indro! Ity voaloboka ity dia nampiodina ny fakany tamin'ny voromahery, ary mamelatra ireo sampany tamin'ilay voromahery avy eo amin'ny toerana izay efa nambolena izany mba ho voatondraka izany. 8 Voavoly teo amin'ny tany tsara amoron'ny vatan-drano lehibe izany ka afaka mamokatra sampana sy mampitsimoka vokatra, mba ho lasa voaloboka mahafinaritra.' 9 Lazao amin'ny vahoaka hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ho ambinina ve izany? Tsy hongotana amin'ny fakany sy endahana amin'ny voany mba halazo ve izany, ary mba halazo ny solofony rehetra? Tsy hisy sandry mahery na vahoaka betsaka ilaina mba hanongotra izany amin'ireo fakany. 10 Koa indro! Na dia voavoly aza izany, dia hitsimoka ve? Tsy halazo ve izany rehefa mikasika azy ny rivotra avy any atsinanana? Halazo tanteraka amin'ny teti-dratsiny izany.'" 11 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 12 "Lazao amin'ny taranaka mpikomy hoe: 'Hainareo ve ny dikan'ireo zavatra ireo? Indro! Tonga tao Jerosalema ny mpanjakan'i Babylona ary naka ny mpanjakany sy ireo andrian-dahiny ary nitondra azy ireo tany aminy tany Babylona. 13 Dia nitondra taranak'andriana izy, nanao fanekena taminy, ary nitondra azy tamin'ny fianianana. Namoaka ireo vahoaka mahery teo amin'ny tany izy, 14 mba hietry ny fanjakana fa tsy hiarina. Amin'ny fitandremana ny fanekeny no hahavelona ny tany. 15 Fa ny mpanjakan'i Jerosalema dia nikomy nanohitra azy tamin'ny fandefasana ireo masoivohony ho any Egypta mba hahazo soavaly sy tafika. Hahomby ve izy? Handositra ve izay manao ireo zavatra ireo? Raha mamadika ny fanekena izy, dia handositra ve? 16 Raha velona koa Aho! —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—dia ho faty eo amin'ny tanin'ny mpanjaka izay nanao azy ho mpanjaka tokoa izy, ilay mpanjaka izay nataony tsinontsinona ny fianianany, ary izay nivadihany ny fanekeny. Ho faty eo afovoan'i Babylona izy. 17 Farao sy ny tafiny mahery ary ireo fiangonan'ny olona maro ho amin'ny ady dia tsy hiaro azy any an'ady, rehefa manorina fahirano dongon-tany sy fahirano rindrina handringanana olona maro ny tafikin'ny Babyloniana. 18 Fa efa nanao tsinotsinona ny fianianany tamin'ny famadihana ilay fanekena ny mpanjaka. Indro, efa naninjitra ny tanany hanao fampanantenana izy ary efa nanao ireo zavatra rehetra ireo. Tsy handositra izy. 19 Koa izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Raha velona koa Aho, tsy ny fianianako ve no nataony tsinontsinona ary ny fanekeko no nivadihany? Koa hitondra ny famaizany ho eo amin'ny lohany Aho! 20 Hampiely ny haratoko eo aminy Aho, ary ho tratran'ny harato fihazako izy. Dia hitondra azy any Babylona sy hampihatra fitsarana aminy any Aho ho an'ny famadihana izay nataony raha namadika Ahy izy! 21 Ny fialofany rehetra ao amin'ny tafiny dia ho lavon'ny sabatra, ary ireo izay mitoetra dia haparitaka any amin'ny lalana rehetra. Dia ho fantatrao fa Izaho no Yaveh; Izaho no nanambara fa hitranga izany." 22 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: 'Koa ny tenako mihitsy no haka ny rantsana avo amin'ny hazo sedera, ary hamboly izany eo amin'ireo sampana malefaka. Hanapaka izany Aho, ary ny tenako no hamboly izany any amin'ny tendrombohitra avo. 23 Hamboly izany any amin'ny tendrombohitr'Israely Aho koa handrantsana sy hamokatra voa izany, dia ho tonga sedera malaza izay honenan'ny vorona manan'elatra rehetra izany. Hitoetra eo amin'ny alokalok'ireo sampany ireo. 24 Dia ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho no Yaveh. Mampietry ny hazo avo ary manandratra ireo hazo iva Aho. Mampalazo ny hazo voatondraka Aho ary mampitsiry ny hazo maina. Izaho no Yaveh, efa nambarako fa hitranga izany; ary efa nanao izany Aho.'"
Ezekiela mitatitra hafatra izay omen' Andriamanitra azy.
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Ity dia maneho an'i Ezekiela. Ity fehezanteny ity no fiantombohan'ny teny izay lazain'i Yaveh amin'i Ezekiela. Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
"omeo ankamantatra ho sainina izy ireo" na "lazao azy ireo ity tantara ity mba ho fanoharana" (UDB)
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
"voromahery tena lehibe"
Ny teny hoe "volon'elatra" dia midika hoe ilay farany ivelan'ireo elatra. Fandikana hafa: "ireo faran'ireo elany dia lava sady feno volom-borona"
Ity dia maneho an'ilay voromahery.
"nanapaka ny ampahany avo indrindra amin'ny hazo izany"
"nitondra ny tendron'ireo hazo" na "nitondra ireo rantsan-kazo"
Ny mpivarotra dia olona izay mivarotra zavatra. "napetrany tao amin'ny tanàna izay nisy mpivarotra maro be izany" na "nambolen'ilay voromahery tao amin'ny tanàna izay fantatra amin'ireo tsenany ny tendron'ilay hazo"
Ity dia tohin'ilay fanoharana momban'ilay voromahery.
Ny teny hoe "izy" dia maneho an'ilay voromahery ao amin'ilay fanoharana.
"saha izay vonona ny amin'ny voa izay ho ambolena eo aminy." Fandikana hafa: "tany tsara"
"napetrak'ilay voromahery teo amin'ny toerana feno rano ilay voa"
Ny hazo malahelo dia maniry eny amin'ireo toerana izay feno rano. Raha nambolen'ilay voromahery tahaka ny hazo malahelo ilay voa, dia midika izany fa namboleny teo amin'ny toerana feno rano izany. Fandikana hafa: "ary namboly ilay voa tahaka ny hazo malahelo eo amin'ny rano."
"dia nanomboka naniry ilay voa"
"voaloboka izay miely eo amin'ny tany"
Niodina teo amin'ilay voromahery ny rantsan'ilay voaloboka.
nitombo teo ambanin'ilay voromahery ireo fakan'ilay voaloboka.
"izany no fomba nitomboan'ny voaloboka"
"namoa rantsana ary nampiely ny sampany"
Ny fampidirana hoe "fa" dia mampiseho fa misy voromahery hafa ho faritana noho ilay iray teo aloha.
Vorona lava, mahery, ary mahavariana ny voromahery.
Ny teny hoe "indro" eto dia manaitra antsika mba hifantoka amin'ilay fampahafantarana manaitra izay manaraka eo.
DH: "nitombo nankany amin'ilay voromahery ny fakan'ilay voaloboka"
DH: "mba ho voatondrak'ilay voromahery ilay voaloboka"
DH: "nambolen'ilay voromahery voalohany ilay voaloboka"
DH: "eo amin'ny toerana izay feno rano"
"mba hamoaka rantsana sy voa ilay voaloboka ary ho voaloboka mahagaga"
DH: "Tsy ho ambinina izany"
DH: "Hanongotra ny fakany izy ary hanendaka ny voany mba halazo ny raviny rehetra."
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy fanamafisana an'izay manaraka eo. ("tokoa!", "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
DH: "tsy hitsimoka izany"
DH: "Halazo izany rehefa mikasika izany ny rivotra avy any atsinanana."
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
DH: "tokony ho fantatrareo ny dikan'ireo zavatra ireo"
"jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao manaraka!"
Yaveh miresaka momban'ilay mpanjakan'i Jerosalema mikomy manohitra ny mpanjakan'i Babylona.
DH: "azo antoka fa tsy hahomby izy"
DH: "tsy handositra ilay iray izay nanao an'ireo zavatra ireo!"
DH: "Raha mamadika ny fanekana izy, dia azo antoka fa tsy handositra!"
Yaveh miresaka momban'ilay mpanjakan'i Jerosalema.
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy hevitra ary manamafy ny halehibe sy tanjaky ny tafik'i Farao.
Eto ny teny hoe "azy" dia maneho ny mpanjakan'i Joda.
Ity dia maneho tilikambo misy tohatra izay afaka apetraka eo akaikin'ny rindrina ary manome fahafahana an'ireo miaramila mba hita an'ilay rindrina sy ho ao amin'ilay tanàna.
Ny hoe "indro" dia manampy fanamafisana an'izay manaraka eo. DH: "tokoa."
Ity dia maneho ny fihazonana tanan'olona hafa ho famantarana ny finamanana sy fifanekena.
"ny fianianako no nataon'ny mpanjakan'i Jerosalema tsinontsinona ary ny fanekeko no nivadihany."
DH: "Ho saziako izy."
DH: "ho fatin'ny tafik'i Babylona"
Yaveh miresaka momban'i Jerosalema toy ny hoe rantsara nambolena teo an-tendrombohitr' Israely izany.
"haniry rantsana vaovao"
Yaveh miresaka momban'ireo hazo toy ny hoe tanàna ireo.
rehefa maina sy maty ny zava-maniry.
1 Tonga tamiko Indray ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Inona no tinao hambara, ianao izay mampiasa izany ohabolana izany momban'ny tanin'Israely ary manao hoe: 'Ny ray dia mihinana voaloboka marikivy, ary ny nifin'ny zanaka dia natao naranitra'? 3 Raha mbola velona koa Aho—izany ny fanambaran'ny Tompo Yaveh—tsy hisy fahafahana ho anao hampiasa ity ohabolana ity any Israely intsony. 4 Indro! Ny fiainana rehetra dia Ahy—ny fiainan'ny ray tahaka ny fiainan'ny zanaka, Ahy izy ireo! Ny fanahy izay manota no ho faty! 5 Inona no afaka lazaina momban'ny olona izay marina sy izay manatanteraka ny rariny sy ny fahamarinana— 6 raha tsy mihinana eo amin'ny tendrombohitra na manandratra ny masony amin'ny sampin'ny ankohonan'Israely izy, ary tsy mandoto ny mpiara-belona amin'ny vadiny, na manakaiky vehivavy mandritry ny fadim-bolany, moa ve lehilahy marina izy? 7 Inona no afaka lazaina momban'ny lehilahy tsy mampahory an'iza na iza, ary mamerina an'ilay mpitrosa izay napetraka ho fiarovana ho an'ny findramam-bola izy, ary tsy mangalatra fa manome ny haniny ho an'ny noana sy manarona ny mitanjaka amin'ny fitafy, moa ve olo-marina izy? 8 Inona no afaka lazaina momban'ny olona tsy maka tombony be loatra amin'ny vola indraminy, ary tsy maka tombony be loatra amin'izay amidiny? Nolazaina momba azy fa mitondra ny rariny sy mametraka fahatokiana eo amin'ny olona izy. 9 Raha mandeha amin'ny lalako izany olona izany ka mihazona ny didiko mba hiasa am-pahatokiana, dia izao ny fampanantenana ho an'ity olo-marina ity: ho velona tokoa izy—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 10 Fa raha atao hoe manan-janaka mahery setra izay mandatsa-drà sy manao maro amin'ireo zavatra izay notanisaina teto ireo izy [1]11 na dia tsy nanao ireo zavatra ireo aza ny rainy, fa mihinana eo amin'ireo tendrombohitra sy mamitaka ny mpiara-belona amin'ny vadiny izy, inona no afaka lazaina momba azy? 12 Mampahory ny mahantra sy ny mila fanampina izany olona izany, ary mambabo sy mandroba izy, ary tsy mamerina ny antoka, ka manandratra ny masony amin'ireo sampy sy manao asa maharikoriko, 13 ary mapindram-bola be loatra izy ka maka tombony be loatra amin'izay amidiny, tokony ho velona ve izany olona izany? Azo antoka fa tsy ho velona! Ho faty tokoa izy ary ny ràny dia ho eo aminy satria nanao ireo zavatra mahatsiravina rehetra ireo izy. 14 Fa indro! Hevero hoe misy olona miteraka zaza lahy, ary ny zanany lahy dia mahita ny fahotana rehetra izay nataon'ny rainy, ary na dia hitany aza ireo, dia tsy manao ireo zavatra ireo izy. 15 Tsy mihinana eo amin'ny tendrombohitra izany zanaka lahy izany, ary tsy manandratra ny masony amin'ireo sampin'ny ankohonan'Israely, sy tsy mamitaka ny mpiara-belona amin'ny vadiny, inona no afaka lazaina momba azy? 16 Tsy mampahory na iza na iza izany zanaka izany, na manao antoka, na maka zavatra nangalarina, fa kosa manome ny haniny ho an'ny noana sy manarona ny mitanjaka amin'ny fitafiana. 17 Tsy mampahory na iza na iza na mindram-bola be loatra na maka tombony be loatra amin'ny findramam-bola izany zanaka lahy izany, nefa mitondra ny lalàko sy mandeha araka ny didiko; tsy ho faty nohon'ny fahotan-drainy izany zanaka lahy izany: azo antoka fa ho velona izy! 18 Satria mampahory ny hafa amin-kery sy mandroba ny rahalahiny, ary manao izay tsy mety eo amin'ny olona, ny rainy—Indro, ho faty amin'ny helony izy. 19 Fa ianao milaza hoe: 'Nahoana ilay zanaka lahy no tsy mitondra ny heloky ny rainy?' Satria mitondra fahitsiana sy fahamarinana ary mitandrina ny lalàko rehetra ilay zanaka lahy; manao ireo izy. Azo antoka fa ho velona izy! 20 Ilay iray izay manota, no ho faty. Ny zanaka lahy dia tsy hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy hitondra ny heloky ny zanany lahy. Ny fahamarinan'ilay iray izay miasa tsara dia ho aminy ihany, ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy dia ho aminy ihany. 21 Fa raha miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ilay ratsy fanahy, ary mitandrina ny lalàko sy manao ny rariny ary ny fahamarinana, dia azo antoka fa ho velona izy fa tsy ho faty. 22 Ny fandikan-dalàna izay efa nataony dia tsy hampatsiahivina azy. Hiaina amin'ny fahamarinana izay hataony izy. 23 Moa ve tena miravoravo fatratra amin'ny fahafatesan'ny ratsy fanahy Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—fa tsy amin'ny fialany amin'ny lalany mba hahafahany miaina? 24 Fa raha miala amin'ny fahamarinany sy manota ary manao heloka sy fahavetavetana toy ny fahavetavetana rehetra ataon'ny olon-dratsy ny olo-marina, dia ho velona ve izy? Ny fahamarinana rehetra izay efa nataony dia tsy hampatsiahivina intsony rehefa mamadika Ahy amin'ny famadihany izy. Ka ho faty amin'ny fahotana izay nataony izy. 25 Fa ianao milaza hoe: 'Ny lalan'ny Tompo dia tsy ara-drariny!' Henoy, ry ankohonan'Israely! Moa ve tsy ara-drariny ny lalanareo? 26 Rehefa miala amin'ny fahamarinany ny olo-marina, ary manota ka maty noho ireo, dia ho faty amin'ny fahotana izay nataony izy. 27 Fa raha miala amin'ny faharatsiana izay nataony sy manao ny rariny sy ny fahamarinana ny ratsy fanahy, dia hahavonjy ny fiainany izy. 28 Fa efa nahita ary niala tamin'ny fandikan-dalàna rehetra izay efa nataony izy. Azo antoka fa ho velona izy, ary tsy ho faty. 29 Fa ny ankohonan'Israely milaza hoe: 'Ny lalan'ny Tompo dia tsy ara-drariny!' Amin'ny fomba ahoana no tsy maha-ara-drariny ny lalako, ry ankohonan'Israely? Ireo lalanao no tsy ara-drariny. 30 Noho izany dia hitsara ny lehilahy tsirairay eo aminareo araka ireo fombany Aho, ry ankohonan'Israely! —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. Mibebaha ary mialà amin'ny fandikan-dalànareo mba tsy ho vato misakana fahotana aminareo izy ireo. 31 Alao amin'ny tenanareo ireo fandikan-dalàna rehetra izay efa nataonareo ireo; anaovy fo vaovao sy fanahy vaovao ny tenanareo. Nahoana ianao no tokony ho faty, ry ankohonan'Israely? 32 Fa tsy faly amin'ny fahafatesan'izay maty Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—koa mibebaha ary miveloma!"
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Andriamanitra dia miteny mafy ny olona nohon'ny fieritreretana fa ho saziana nohon'ny fahotan'ny ray aman-dreniny izy ireo, fa mino fa izy ireo dia tsy manam-pahotana.
Ity ohabolana ity dia midika fa ny zanaka dia nosaziana nohon'ny asa ratsin'ny ray aman-drenin'izy ireo.
Ity dia maneho ny vahoakan'Israely.
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy fanamafisana amin'izay manaraka. Afaka adika hoe "tokoa!" ihany koa izany. Izany ihany koa dia afaka adika hoe "jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
Ireo fehezanteny ireo dia maneho ny fanompoan-tsampy. Ny olona dia nihinana ny sakafo teny an-tendrombohitra toerana masina mba hanomezam-boninahitra an'ireo sampy. Ny fehezanteny hoe "manandratra ny masony" dia maneho ny fijerena any amin'ireo sampy ary manome voninahitra azy ireo.
Andriamanitra dia gaga amin'ireo izay malala-tanana amin'ireo tsy ampy sakafo sy akanjo.
Ity dia maneho ny famonoana olona.
Ity dia maneho an'ireo asa feno fahotana voatonona ao amin'ny 18:11-18:12.
Yaveh manohy miresaka momban'ilay zanaka mahery setra.
Ireo teny hoe "mahantra" sy "mila fanampiana" dia manamafy fa ireo dia olona izay tsy afaka manampy ny tenan'izy ireo.
Ny teny hoe "tombony" dia maneho ny vola ampiana amin'ny trosa.
Ity teny ity dia maneho ny vola alona'ny olona iray mba hampiasana vola nindramina. Na izany aza, ny dikanteny vaovao sasany dia mandika ny "tombony" ao amin'ity andalana ity ho "tombony be loatra."
"tsy tokony ho velona izany olona izany!"
Ity fehezanteny ity dia midika fa tompon'andraikitra amin'ny fahafatesany izy.
Ny teny hoe "indro!" eto dia manampy manamafy an'izay manaraka eo.
"vitan'ny rainy"
Yaveh manohy miresaka momban'ilay zanaka lahy izay tsy manao ny fahotan'ny rainy.
Ity dia mety midika hoe olona izay tsy miakanjo mihitsy, nefa kokoa mety ho olona miakanjo rotidrotika, akanjo tena efa ratsy.
Ny fanomezana akanjo ho an'ny olona izay mila izany dia resahina toy ny hoe mametraka an'ilay akanjo eo amin'ny vatan'izy ireo izany.
Ity teny ity dia maneho ny vola alona'ny olona iray mba hampiasana vola nindramina. Na izany aza, ny dikanteny vaovao sasany dia mandika ny "tombony" ao amin'ity andalana ity ho "tombony be loatra."
Yaveh miresaka momban'ilay rain'ilay zanaka lahy izay tsy nankato ny lalàn'Andriamanitra.
maka zavatra amin'olona hafa amin'ny fampiasana fandrahonana na hery.
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy manamafy an'izay manaraka eo.
DH: "nahoana ilay zanaka lahy no tsy tompon'andraikitra amin'ny heloky ny rainy"
DH: "Izay manao ny marina dia ho raisina ho marina"
DH: "izay manao ny ratsy dia ho raisina ho ratsy fanahy"
Yaveh miresaka ny amin'ilay olona ratsy fanahy izay miova ary manao izay marina.
DH: "tsy ho tsaroina"
Hanohy hiaina izy satria manao ireo zavatra tsara
Yaveh miresaka momban'ny faniriany ho an'ny olona ratsy fanahy.
"tsy miraoravo fatratra amin'ny fahafatesan'ny ratsy fanahy Aho, fa miravoravo raha miala amin'ny asa ratsiny izy ary miaina"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
"fa tsy amin'ny fiovana amin'ny asany feno fahotana mba hanao izay marina"
Yaveh manome ohatrana olona iray izay mivily amin'ny fahamarinana ho amin'ny faharatsiana.
DH: "tokony ho faty izy"
DH: "tsy ho tsaroina"
heloka bevava vita manohitra firenena na manohitra an'Andriamanitra ataon'ny olona izay noheverina ho tsy mivadika.
DH: "noho izany, ho faty noho ireo fahotana izay nataony izy."
Ireo fehezanteny ireo dia mamerina ny eritreritry ny olona maty nohon'ny fahotany mba hilazana fa hadisoany izany fa tsy fahotan'iza na iza.
nahatsapa zavatra izy.
Yaveh manohy mampianatra ny vahoakan'Israely ny amin'ny antony maha-ara-drariny ny lalany.
"azo antoka fa ara-drariny ny lalako, ry ankohonan'Israely."
"ny asan'ny lehilahy tsirairay"
Ny hoe "izy ireo" dia maneho ny fandikan-dalàna rehetran'ny vahoakan'Israely.
Yaveh manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
DH: "ovay tanteraka ny aminareo"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
1 "Ankehitriny ianao, manaova fitomaniana hanohitra ireo mpitarika ny Israely 2 ary lazao hoe: 'Iza no reninareo? Liona vavy, niara-nonina tamin'ny zanaky ny liona izy; teo afovoan'ny liona tanora, nikolokolo ireo zanany izy. 3 Izy ilay nitaiza ny iray tamin'ireo zanany ho tonga liona tanora, liona izay nianatra namiravira ireo hazany, ary dia nihinana olona izy ireo. 4 Avy eo ireo firenena nandre ny momba azy. Tratra tao amin'ny fandrik'izy ireo izy, ary dia nentin'izy ireo tamin'ny farango ho any amin'ny tanin'i Egypta. 5 Koa hitany fa na dia niandry ny fiverenany aza izy, dia tsy manana fanantenana intsony izy ankehitriny, koa naka hafa tamin'ireo zanany izy ka nitaiza azy ho tonga liona tanora. 6 Niaodiaody teo afovoan'ireo liona izany liona tanora izany. Liona tanora izy ary nianatra namiravira ireo hazany; nihinana olona izy. 7 Nosamboriny ireo mpitondratenan'izy ireo ary noravàny ny tanànan'izy ireo. Ny tany sy ny fahafenoiny dia nafoy nohon'ny feon'ny fierony. [1]8 Fa tonga hanohitra azy ireo firenena avy amin'ireo faritany manodidina; namelatra ny haraton'izy ireo teo amboniny izy ireo. Voasambotra tao amin'ny haraton'izy ireo izy. 9 Tamin'ny farango no nanaovan'izy ireo azy tao amin'ny fanagiazana ary nentin'izy ireo tany amin'ny mpanjakan'i Babylona izy. Nentin'izy ireo tany amin'ny fiarovana mafy izy mba tsy ho re eo amin'ireo tendrombohitr'Israely intsony ny feony. 10 Ny reninao dia toy ny voaloboka maniry ao amin'ny rànao eo anilan'ny rano. [2] namokatra izany ary feno rantsana nohon'ny fitobaky ny rano. 11 Mafy ny rantsan'izany izay fampiasa ho tehin'ireo mpanapaka, ary ny haben'izany dia nasandratra ambonin'ireo rantsany, ary ny haavony dia hita amin'ny haben'ny raviny. 12 Fa nongotana tamin'ny fahavinirana ilay voaloboka ary natsipy tamin'ny tany, ary nisy rivotra avy any atsinanana nanamaina ny voany. Ireo rantsany mafy dia tapatapaka sy nalazo ary ny afo no nandevona azy ireo. 13 Koa ankehitriny dia nambolena any an-tany efitra izany, any amin'ny tany maina sy karakaina. 14 Fa afo no nivoaka avy tao amin'ireo rantsany lehibe ka nandevona ny voany. Tsy misy rantsana mafy intsony amin'izany, tsy misy tehina hanapaka.' Fitomaniana izany ary ho hiraina toy ny hira fisaonana."
Yaveh milaza an'i Ezekiela mba hiresaka amin'ny vahoakan'Israely. Milaza tantara izay liona vavy ny firenen'Israely ary ny sasany amin'ireo mpanjaka taloha tao amin'ny fanjakan'i Joda no zanany.
Yaveh manohy mamaritra ny firenen'Israely ho liona vavy ary ireo mpanjakan'ny fanjakan'i Joda ho zanany.
Yaveh dia mampitaha an'i Joiakima amin'ny zanaka liona tanora.
Ireo fomba fiteny ireo dia sarinteny ho an' Andriamanitra mamela an'ireo fahavalon'Israely hanao ireo zavatra ireo.
"sy ny zavatra rehetra ao amin'izany"
Yaveh manohy mamaritra ny firenen'Israely toy liona vavy ary ireo mpanjakan'ny fanjakan'i Joda toy ny zanany.
Ny teny hoe "azy" dia maneho an'ilay liona tanora faharoa, izay misolotena an'i Joiakima.
DH: "avy amin'ireo faritany manodidina ny tanin'Israely."
firenena izay nanjakan'i Babylona
Yaveh dia mamaritra ny firenen'Israely toy ny hoe renin'ireo andriandahin'Israely izany.
Ireo mety ho heviny dia ny "rà" dia maneho ny 1) herisetran'ireo mpanjakan'i Joda izay namono olona na 2) fahafenoin'ny voaloboka ao Joda izay lasa famantarana ny fanambinana. DH: "voaloboka nambolena midika herisetra" na "voaloboka nambolena amin'ny fanambinanao"
Yaveh manohy mampitaha an'Israely amin'ny voaloboka ary ireo loholony amin'ny rantsana mafin'ny boaloboka.
"notapahany"
Yaveh manohy mampitaha an'Israely amin'ny voaloboka ary ireo loholony amin'ny rantsana mafin'ny voaloboka.
"izay ampiasain'ny mpanjaka mba hanapahana"
1 Ary tamin'ny taona fahafito, tamin'ny andro fahafolon'ny volana fahadimy, dia tonga ny loholon'Israely hanontany an'i Yaveh ka nipetraka teo anoloako. 2 Ary tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 3 "Ry zanak'olona, ambarao amin'ny loholon'Israely ary lazao azy ireo hoe: 'Ny Tompo Yaveh milaza izao: Tonga hanontany Ahy ve ianao? Raha velona koa Aho, dia tsy hanontanianao! — izany ny fanambaran'ny Tompo Yaveh.' 4 Hitsara azy ireo ve ianao? Hitsara ve ianao, ry zanak'olona? Aoka izy ireo hahafantatra ny fahavetavetan'ny razambeny. 5 Lazao azy ireo fa: 'Yaveh Tompo milaza izao: Tamin'ny andro izay nisafidianako ny Israely sy nanandratako ny tanako mba hianiana fianianana teo amin'ireo taranaky ny ankohonan'i Jakoba, sy nampahafantarako azy ireo ny tenako tany amin'ny tany Egypta, rehefa nanandratra ny tanako mba hianiana fianianana teo amin'izy ireo Aho. Hoy Aho hoe: "Izaho no Yaveh Andriamanitrareo"— 6 tamin'izany andro izany no nanandratako ny tanako mba hianiana fianianana teo amin'izy ireo fa hitondra azy ireo hivoaka amin'ny tany Egypta ho eo amin'ny tany izay efa nofantenako tsara ho azy ireo Aho. Tondra-dronono sy tantely izany; izany no firavaka tsara indrindra eo amin'ny tany rehetra. 7 Hoy Aho tamin'izy ireo: "Aoka ny olona tsirairay hanary ireo zavatra maharikoriko eo anoloan'ny masony sy ireo sampin'i Egypta. Aza mandoto ny tenanareo; Izaho no Yaveh Andriamanitrareo." 8 Nefa nikomy tamiko izy ireo ary tsy nety nihaino Ahy. Ny olona tsirairay tsy nisy nanary ny zavatra maharikoriko teo anoloan'ny masony na nahafoy ny sampin'i Egypta, koa dia tapa-kevitra handraraka ny fahavinirako eo amin'izy ireo Aho mba hahafa-po ny fahatezerako eo amin'izy ireo eo afovoan'ny tany Egypta. 9 Niasa ho an'ny anarako Aho mba tsy ho voazimbazimba eo imason'ireo firenena izay nitoerany izany. Nampahafantariko teo imason'izy ireo ny tenako, tamin'ny fitondrana azy ireo nivoaka ny tany Egypta. 10 Koa dia nandefa azy ireo nivoaka ny tany Egypta Aho ary nitondra azy ireo ho any an'efitra. 11 Dia nanome azy ireo ny lalàko Aho ary nampahafantatra azy ireo ny didiko, izay hahavelona ny olona raha mankato ireo izy. 12 Nanome azy ireo ny Sabatako ho famantarana eo Amiko sy izy ireo ihany koa Aho, mba hahafantaran'izy ireo fa Izaho no Yaveh izay manamasina azy ireo. 13 Nefa ny taranak'Israely dia nikomy hanohitra Ahy tany an'efitra. Tsy nanaraka ny lalàko izy ireo; fa kosa, nandà ny didiko, izay hahavelona ny olona raha mankato izany izy ireo. Nanimbazimba tanteraka ny sabatako izy ireo, koa nilaza Aho fa hararako eo amin'izy ireo any an'efitra ny fahatezerako mba hahalany tamingana azy ireo. 14 Nefa niasa ho an'ny anarako Aho mba tsy ho zimbazimbaina eo imason'ireo firenena izany, izay teo imasony no nitondrako azy ireo nivoaka tao Egypta. 15 Koa nanandratra ny tanako ihany koa Aho mba hianiana fianianana amin'izy ireo any an'efitra fa tsy hitondra azy ireo any amin'ny tany izay efa homeko azy ireo, dia tany tondra-dronono sy tantely, izay firavaka tsara indrindra eo amin'ny tany rehetra. 16 Nianiana izany Aho satria nandika ny didiko izy ireo ary tsy nanaraka ny lalàko, ary nanimbazimba ny Sabatako, satria nanaraka ireo sampiny ny fony. 17 Fa niantra azy ireo tamin'ny faharavàny ny masoko ary tsy nandringana azy ireo tany an'efitra Aho. 18 Hoy Aho tamin'ireo zanany lahy sy zanany vavy tany an'efitra hoe: "Aza mandeha araka ny lalàn'ny ray aman-dreninareo; aza mitandrina ny didiny na manimbazimba ny tenanareo amin'ny sampy. 19 Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, mandehana amin'ny lalàko; tandremo ny didiko ary ankatoavy ireo. 20 Tandremo ny Sabatako masina mba ho famantarana eo Amiko sy aminareo ireo, mba hahafantaranareo fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo." 21 Fa nikomy tamiko ireo zanany lahy sy zanany vavy. Tsy nandeha tamin'ny lalàko izy ireo na nitandrina ny didiko, izay mahavelona ny olona raha mankatò ireo izy. Nanimbazimba ny Sabatako izy ireo, ka dia tapa-kevitra ny handraraka ny fahavinirako teo amin'izy ireo Aho mba hahafapo ny fahatezerako tamin'izy ireo tany an'efitra. 22 Nefa nampivily ny tanako Aho ary niasa nohon'ny amin'ny anarako, mba tsy ho voazimbazimba eo imason'ireo firenena izay teo imasony no namoahako ny Israelita izany. 23 Nanandratra ny tanako mba hianiana amin'izy ireo any an'efitra ihany koa Aho, fa hampiely azy ireo eo amin'ireo firenena sy hanaparitaka azy ireo amin'ny tany. 24 Nanapa-kevitra ny hanao izany Aho satria tsy nankato ireo didiko izy ireo, ary satria nandà ireo lalàko izy ireo ary nanimbazimba ny Sabatako. Ny masony dia nanaraka ny sampin'ny razamben'izy ireo. 25 Rehefa izany dia nanome azy ireo ny lalàna izay tsy tsara, ary ny didy izay tsy hahavelona azy ireo ihany koa Aho. 26 Nandoto azy ireo tamin'ny fanomezan'izy ireo Aho rehefa nanao sorona ny voalohan-terak'izy ireo rehetra sy nanipy ireo tao amin'ny afo izy ireo. Nanao izany Aho mba hampihorohoro azy ireo ka hahafantarany fa Izaho no Yaveh!' 27 Noho izany, ry zanak'olona, mitenena amin'ny taranak'Israely ary lazao azy ireo hoe: 'Ny Tompo Yaveh miteny izao: Tamin'izany ihany koa no nitenenan'ny razambenareo ratsy Ahy fony tsy nahatoky Ahy izy ireo. 28 Rehefa nitondra azy ireo ho ao amin'ny tany izay efa nianianako homena azy ireo Aho, ary na oviana na oviana nahita havoana avo izy ireo ary hazo mandravina, dia nanolotra ny sorony izy ireo, nampahatezitra Ahy tamin'ny fanatiny izy ireo, ary tao ihany koa no nandoran'izy ireo ny ditin-kazony manitra sy nampidinany ny fanatiny fisotro. 29 Dia hoy Aho tamin'izy ireo: "Inona ity toerana avo izay hitondranareo fanatitra ity?" Koa dia nantsoina hoe Bama ny anarany mandrak'androany.' 30 Noho izany teneno amin'ny ankohonan'Israely hoe: 'Ny Tompo Yaveh miteny izao: Nahoana ianareo no mandoto ny tenanareo amin'ny fomban'ireo razambenareo? Koa nahoana ianareo no manao toy ny mpivarotena, mitady ireo zavatra maharikoriko? 31 Fa rehefa manolotra ny fanatitrareo ianareo ary mametraka ny zanakareo lahy anaty afo, manomboka amin'io andro io ianareo dia mandoto ny tenanareo amin'ny sampinareo rehetra. Koa nahoana Aho no tokony hamela anareo hanontany Ahy, ry ankohonan' Israely? Raha velona koa Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—dia tsy hamela anareo hanontany Ahy Aho. 32 Ny hevitra izay miforona ao an-tsainareo dia tsy ho tanteraka mihitsy. Hoy ianareo hoe: "Aoka izahay ho toy ny firenena hafa, tahaka ny foko ao amin'ny tany hafa izay manompo hazo sy vato." 33 Raha velona koa Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—dia azo antoka fa hanjaka eo aminareo Aho amin'ny tanana mahery, sandry misandratra, ary fahatezerana izay alatsaka eo aminareo. 34 Hitondra anareo hiala avy eo amin'ireo olona hafa Aho ary hanangona anareo avy amin'ireo firenena teo amin'izay nanaparitahana anareo. Hanao izany amin'ny tanana mahery sy amin'ny hatezerana nararaka Aho. 35 Dia hitondra anareo any an'efitry ny olona Aho, ary any no hitsaràko anareo mivantana. 36 Tahaka ny nitsaràko ny razambenareo tao an'efitry ny tany Egypta, no hitsaràko anareo ihany koa—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 37 Hampandalo anareo eo ambanin'ny tsora-kazoko Aho, ary hampankato anareo ny fepetran'ny fanekena. 38 Handio ireo mpikomy sy ireo izay manohitra Ahy avy eo aminareo Aho. Handefa azy ireo avy eo amin'ny tany izay ipetrahan'izy ireo toy ny vahiny Aho, nefa tsy ho afaka ny hiditra amin'ny tanin'Israely izy ireo. Dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh. 39 Ka ho anao, ry ankohonan'Israely, izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ny tsirairay aminareo dia tokony handeha any amin'ny sampiny avy. Manompoa azy ireo rehefa tsy hihaino Ahy ianareo, nefa aoka tsy hanimbazimba ny anarako masina amin'ny fanomezanareo sy ireo sampinareo intsony ianareo. 40 Fa eo amin'ny tendrombohitro masina, eo an- tampon'ny tendrombohitr'Israely—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—ny ankohonan'Israely rehetra dia hanompo Ahy ao amin'ilay tany. Hahafaly Ahy ny mitaky ny fanatitrareo any, ary ny voaloham-bokatry ny fokonareo miaraka amin'ny zava-masinareo rehetra ihany koa. 41 Hanaiky anareo tahaka ny ditin-kazo manitra Aho rehefa mamoaka anareo avy eo amin'ny olona ary manangona anareo amin'ireo tanàna izay efa nanaparitahana anareo. Haneho ny tenako ho masina eo aminareo Aho mba ho hitan'ireo firenena. 42 Ary, rehefa mitondra anareo any amin'ny tanin'ny Israely Aho, any amin'ilay tany izay efa nanandratako ny tanako hianianana fa omena ny razambenareo, dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh. 43 Avy eo dia ho tsaroanareo eo ireo fomba ratsinareo, sy ny asanareo rehetra izay nandoto ny tenanareo, ary hankahala ny tenanareo eo imasonareo ihany ianareo nohon'ny fanaovan-dratsinareo rehetra izay efa nataonareo. 44 Koa ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh rehefa manao izany aminareo nohon'ny amin'ny anarako Aho, fa tsy ho an'ny fomba ratsinareo na ny asa ratsinareo, ry ankohonan'Israely—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh."' 45 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 46 "Ry zanak'olona, manatreha ny atsimon'ny tany, ary mitenena mianatsimo; maminania ny amin'ny hanoherana ny alan'i Negeva. 47 Teneno amin'ny alan'i Negeva hoe: 'Izao no fanambaran'i Yaveh—ny Tompo Yaveh milaza izao: Indro, handrehitra afo eo aminareo Aho. Handevona ny hazo vaovao rehetra sy ny hazo maina rehetra eo aminareo izany. Tsy ho vonoina ny lelafo mirehitra; ho dorana izay rehetra avy any atsimo ka hatrany avatra. 48 Dia ho hitan'ny nofo rehetra fa Izaho no Yaveh rehefa mampirehitra ny afo Aho, ary tsy ho faty izany.'" 49 Ary hoy aho hoe: "Indrisy! Ry Tompo Yaveh, miteny ny amiko izy ireo hoe: 'Moa ve tsy mpiteny fanoharana fotsiny izy?"'
Ity dia nampiasaina mba hanamarihana ny fiantombohan'ny fizarana vaovao amin'ny tantara.
DH: "tamin'ny taona fahafito naha-sesitany an'i Joiakima mpanjaka"
Ity dia volana fahadimy amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahafolo dia manakaiky ny fiantombohan'ny Aogositra amin'ny tetiandro Tandrefana.
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
DH: "tsy avelako hanontany hafatra avy amiko ianao"
DH: "mitsara azy ireo ianao, ry zanak'olona"
"Tany izay feno ronono sy tantely mikoriana." DH: "tany tena mahavokatra" na "tany izay hitomboan'ny biby sy zava-maniry tsara."
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo loholon'Israely.
"tamin'ireo taranaky ny ankohonan'i Jakoba"
Ity dia midika hoe "izay tiany" na "izay notompoiny"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo loholon'Israely.
Ny hoe "izy ireo" dia maneho an'ireo "taranaky ny ankohonan'i Jakoba."
"tsy hankato Ahy"
Ity fehezanteny ity dia midika hoe "mba tsy hieritreritra ireo firenena hoe tsy masina ny anarako"
"izay nipetrahany"
"naseho an'ireo firenena hoe iza Aho"
"amin'ny fomba hahitan'ireo firenena"
"fitondrana ny olon'ny ankohonan'i Jakoba"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo loholon'Israely.
Ny hoe "azy ireo" dia maneho an'ireo "taranaky ny ankohonan'i Jakoba"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo loholon'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 20:8.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 20:8.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo loholon'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 20:4.
"amin'ny ankohonan'Israely"
DH: "fa mbola niantra azy ireo Aho" (UDB)
"ary tsy nandrava azy ireo"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo loholon'Israely.
"Aza manao an'ireo zavatra izay asain'ny ray aman-dreninao ataonao"
"aza mankato ny fitsipik'izy ireo"
Ny "mitandrina" an'ireo didin'i Yaveh dia mitovy amin'ny "mankato ireo."
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo loholon'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 20:13.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 20:8.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo loholon'Israely.
Fomba fanao efa mahazatra ny manao fianianana amin'ny fanandratana tanana mankany an-danitra.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 12:14.
DH: "Nazoto nanompo an'ireo sampy izay notompoin'ireo ray aman-dreniny izy ireo." (UDB)
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo loholon'Israely.
Ny teny hoe lalàna ao amin'ity fehezanteny ity dia tsy maneho ny lalàn'Andriamanitra. Andriamanitra dia namela azy ireo mba hiaina amin'ireo lalàn'olombelona sy ireo fitsaràna izay tsy tsara.
Ny hoe "izy ireo" dia maneho ny zanak'ireo izay nentin'i Yaveh hivoaka an'i Egypta.
DH: "tamin'ireo fanomezana izay nomen'izy ireo Ahy."
Ity dia midika hoe manao sorona zanaka amin'ireo sampy amin'ny fandoroana velona azy ireo.
DH: "tsy toerana avo izay tokony hitondranareo fanatitra ity!"
DH: "nantsoin'ny olona hoe Bama izany toerana izany" Ny hoe "Bama" dia midika hoe "toerana avo," toerana fanompoan-tsampy.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo loholon'Israely.
ity dia midika hoe manao sorona zanaka amin'ireo sampy amin'ny fandoroana velona azy ireo.
DH: "Tsy manan-jo hanontany hafatra amiko ianareo, ry ankohonan'Israely."
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely.
Ireo fehezanteny ireo dia samy maneho ny fahefana lehibe.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
"tsy hankato Ahy" na "tsy hifantoka amiko"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely.
"ny mandidy ny hitondrana"
Eto ny hoe "voaloham-bokatra" dia mety midika hoe ireo zavatra tsara indrindra eo amin'ireo fanatitra rehetra atokana homena an'Andriamanitra.
"ireo fanatitra izay atokanareo homena Ahy"
Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy hevitra ary manamafy fa Yaveh dia hitondra ny olony hiverina avy any amin'ireo firenena izay nanaparitahany azy ireo.
DH: "nanaparitahako anareo"
"hampiasa anareo Aho mba hanehoana amin'ireo firenena fa masina Aho"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely.
Ity dia midika hoe "nianianako" na "nampanantenaiko"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
"Niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny alan'i Negeva.
"ho takatry ny"
teny izay maneho fahoriana na alahelo
DH: "milaza tantara fotsiny izy"
1 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Ry zanak'olona, atodiho manatrika an'i Jerosalema ny tavanao, ary mitenena hanohitra ireo toerana masina; maminania hanohitra ny tanin'Israely. 3 Lazao amin'ny tanin'Israely hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: Indro! Manohitra anao Aho! Havoakako avy ao amin'ny fitoerany ny sabatro ka hanapaka ny olo-marina sy ny ratsy fanahy hiala aminao! 4 Mba hanapahako ny marina sy ny ratsy fanahy hiala aminao, dia hivoaka avy amin'ny fitoerany hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra ny sabatro. 5 Dia ho fantatry ny firenena rehetra fa Izaho, Yaveh, no namoaka ny sabatro avy tao amin'ny fitoerany. Tsy hihemotra intsony izany!' 6 Ny aminao, ry zanak'olona, misentoa raha vaky ny voanao! Misentoa am-pahangidiana eo imason'izy ireo! 7 Ary hanontany anao izy ireo hoe: "Inona no antony hisentoanao?' Dia hiteny ianao hoe: 'Nohon'ny amin'ny vaovao izay ho avy, fa ho ketraka ny fo rehetra, ary halemy ny tanana rehetra! Hiha-ketraka ny fanahy rehetra, ary hikoriana toy ny rano ny lohalika rehetra. Indro! Ho avy izany ary ho tahaka izany! —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh."' 8 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 9 "Ry zanak'olona, maminania ary lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo: Lazao hoe: Sabatra! Sabatra! Ho ranitina izany ary hatao mangirana! 10 Ho ranitina izany mba hampiasaina amin'ny famonoana lehibe! Hatao mangirana izany mba ho tahaka ny tselatra! Tokony hifaly amin'ny tehim-panjakan'ny zanako ve isika? Halan'ny sabatra ho avy ny tsora-kazo rehetra tahaka izany! 11 Koa dia homena hatao mangirana ny sabatra, ary mba ho hazonin'ny tanana avy eo! Voaranitra ny sabatra ary natao mangirana ary homena ho eo an-tanan'ilay iray izay mamono izany!' 12 Miantsoa vonjy ary mitomania, ry zanak'olona! Fa izany sabatra izany dia tonga hamely ny oloko! Manohitra ireo mpitarik'Israely izany. Natsipy ho amin'ny sabatra niaraka tamin'ny oloko izy ireo. Noho izany, mikapokapoa fe! 13 Fa misy ny fitsaràna, saingy ahoana raha tsy maharitra ny tehina? —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 14 Ankehitriny ianao, ry zanak'olona, maminania ary mitehafa tanana, fa hamely fanintelony mihitsy aza ny sabatra! Sabatra ho an'ireo izay ho vonoina! Sabatra ho an'ireo maro izay ho vonoina izany, mitrobaka azy ireo na aiza na aiza! 15 Mba hampitsonika ny fony sy hampitombo ireo lavony, dia napetrako hanohitra ny vavahadin'izy ireo ny famononan'ny sabatra! Loza! Natao tahaka ny tselatra izany, izay nafahana ho any amin'ny mpivaro-kena! 16 Ianao, ry Sabatra! Mameleza avy eo ankavanana! Mameleza avy eo ankavia! Mandehana eo amin'izay rehetra hitodiahan'ny tavanao. 17 Fa hamely ny tanako roa ihany koa Aho; ary avy eo dia hitondra ny fahavinirako ho amin'ny fitsaharana! Izaho, Yaveh no manambara izany!" 18 Tonga tamiko indray ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 19 "Ankehitriny ianao, ry zanak'olona, manendre lalana roa hiavian'ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona. Samy hanomboka eo amin'ny tany iray ihany ireo lalana roa, ary hisy takelaby hanamarika ny iray amin'ireo hitondra any amin'ny tanàna. 20 Mariho ho an'ny tafika Babyloniana ny lalana iray mba hankany Raba, ilay tanànan'ny Amonita. Mariho hitondra any amin'ny tafik'i Joda sy ny tanànan'i Jerosalema, izay voaaro mafy ilay iray hafa. 21 Fa ny mpanjakan'i Babylona dia hijanona eo amin'ny sampanan-dalana, eo amin'ny fifanenana, mba hanao sikidy. Hanozongozona tsipika maromaro izy ary hangataka tondro-lalana avy amin'ny sampy ary hizaha amin'ny atin-kena. 22 Eo amin'ny tanany havanana dia hisy fambara momban'i Jerosalema, mba hametraka andry vy fandrodanana hamely izany, mba hanokatra ny vavany hibaiko ny amin'ny famonoana, hamoaka hiakan'ady, hametraka andry vy fandrodanana hamelezana ny vavahady, hanamboatra tovon-tany, ary hampitsangana ny tilikambo fanaovana fahirano. 23 Ho ohatrin'ny fambara tsy misy dikany eo imason'ireo izay ao Jerosalema izany, dia ireo izay nanao fianianana voady tamin'ny Babyloniana! Fa hiampanga azy ireo nohon'ny fandikana ny dina ny mpanjaka mba hanaovana fahirano azy ireo! 24 Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Satria hampatsiahivinao Ahy ny helokao, dia hiseho ny faharatsianao! Ho hita amin'ny asanao rehetra ny fahotanao! Noho izany antony izany dia hampatsiahy ny olona rehetra ianao fa ho babon'ny tanan'ny fahavalonao ianao! 25 Ny aminao, ry mpanapak'Israely mpanimbazimba sady ratsy fanahy, izay efa tonga ny andron'ny fanasaziana azy, ary efa tapitra ny fotoana fanotàny, 26 izao no lazain'ny Tompo Yaveh aminao: tsoahy ny hamama ary esory ny satro-boninahitra! Tsy hitovy intsony ny zava-drehetra! Asandrato ireo mietry ary ahetreo ireo misandratra! 27 Faharavàna! Faharavàna! Hataoko faharavàna ity! Tsy ho tafaverina amin'ny laoniny izany mandra-pahatongan'ilay iray izay voatendry hanatanteraka fitsaràna. 28 Koa ianao, ry zanak'olona, maminania ary lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh amin'ny vahoakan'i Amona mahakasika ny fahafaham-barakan'izy ireo ho avy: Sabatra, nisy sabatra navoaka! Noranitina ho an'ny famonoana izany mba handrapaka, koa dia ho tahaka ny tselatra izany! 29 Raha mahita fahitam-poana ho anao ireo mpaminany, raha mbola manao fombafomba izay hiafara amin'ny lainga ho anao izy ireo, dia hanambana eo amin'ny tendan'ireo rasty fanahy izay efa ho vonoina, izay efa tonga ny andron'ny fitsaràna azy ary izay efa ho tapitra ny fotoan'ny fahotany io sabatra io. 30 Avereno ao amin'ny fitoerany ny sabatra. Ao amin'ny toerana nahariana anao, ao amin'ny tany nipoiranao, no hitsaràko anao! 31 Halatsako aminao ny fahatezerako! Ho tsofiko hamely anao ny afon'ny fahasosorako ary hapetrako ho eo an-tanan'ny olon-dozabe ianao, dia lehilahy kinga amin'ny fandringanana! 32 Ho lasa solika ho an'ny afo ianao! Ho eo afovoan'ny tany ny rànao. Tsy ho tsarovana ianao, fa Izaho, Yaveh no nanambara izany!"'
"zanak'olombelona." Andriamanitra dia miantso an'i Ezekiela amin'ity mba hanamafisana fa Ezekiela dia olombelona ihany. Andriamanitra dia mahery ary velona mandrakizay, fa ny olona tsia. Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1. DH: "olona mety maty" na "olombelona"
"Nanome hafatra ahy i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Fomba fiteny ity. Ity dia midika fa Yaveh dia manipy fitsaràna amin'i Jerosalema ary milaza amin'i Ezekiela mba hijery manatrika an'i Jerosalema sy hiteny ny fitsaràny manohitra an'izany. Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 4:6. DH: "mijery fitsaràna amin'i Jerosalema" na "mijery manatrika an'i Jerosalema amin'ny fitsaràna"
Ity dia miresaka an'i Yaveh mamono an'ireo olona ireo toy ny hoe mamono azy ireo amin'ny sabany manokana Izy. DH: "manohitra anareo Aho, ary ho toy ny hoe hamoaka ny sabatro avy ao amin'ny tranony Aho mba hamonoana ny marina sy ny olona ratsy fanahy eo aminareo" (UDB)
"ny vahoaka marina sy ny vahoaka ratsy fanahy." Ity dia maneho ny olona maro be, fa tsy olo-marina iray sy olona ratsy fanahy iray ihany.
zavatra izay mihazona sy manarona sabatra rehefa tsy misy mampiasa izany
Ity dia teny malefaka izay midika hoe mamono. DH: "hamono"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny tanin'Israely.
Ity dia teny malefaka izay midika hoe mamono. DH: "hamono"
Ity dia maneho ny olo-marina sy ny olona ratsy fanahy. DH: "ireo izay marina sy ireo izay ratsy fanahy" na "ny vahoaka marina sy ny vahoaka ratsy fanahy"
"eo aminao"
Ity dia miresaka an'i Yaveh mamono an'ireo olona ireo toy ny hoe mamono azy ireo amin'ny sabany manokana Izy. DH: "toy ny hoe hamoaka ny sabatro avy ao amin'ny tranony Aho ary hamely" (UDB)
Eto ny hoe "nofo" dia sarinteny ho an'ny "olona." DH: "ny olona rehetra"
Ity dia sarinteny izay maneho ny faritra any avaratra, ary any atsimo, ary ny toerana rehetra eo anelanelany. DH: "amin'ny lalana rehetra" na "na aiza na aiza"
Ity dia miresaka an'i Yaveh mamono an'ireo olona ireo toy ny hoe mamono azy ireo amin'ny sabany manokana Izy. DH: "izany dia toy ny hoe Izaho, Yaveh, dia namely ny olona tamin'ny sabatro" (UDB)
Ity dia miresaka an'i Yaveh tsy mihemotra amin'ny sabany amin'ny fanafihana ny olona toy ny hoe olona izay tsy nihazona ny tenany amin'ny fanafihana ny sabany. DH: "ary tsy hamerina izany ao amin'ny toerany indray Aho" (UDB) na "tsy hisalasala amin'ny fanafihana ny olona Aho"
Yaveh miresaka amin'i Ezekiela.
"zanak'olombelona." Andriamanitra dia miantso an'i Ezekiela amin'ity mba hanamafisana fa Ezekiela dia olombelona ihany. Andriamanitra dia mahery ary velona mandrakizay, fa ny olona tsia. Adikao toy ny tao amin'ny 2:1.
Yaveh dia milaza an'i Ezekiela mba hisento ho famantarana miaraka amin'ny hafany. Miteny azy mba hisento lalina Izy toy ny hoe ao anaty fanaintaiinana lehibe ny kibony. "misentoa lalina toy ny hoe ao anaty fanaintainana lalina ny voanao" na "misentoa lalina amin'ny alahelo lehibe"
"amin'ny alahelo lehibe"
Eto ireo Israelita dia aseho amin'ny "mason"izy ireo mba hanamafisana an'izay hitan'izy ireo. DH: "eo anoloan'izy ireo" na "eo anoloan'ny vahoaka Israelita"
Ity dia miresaka ny "vaovao" toy ny hoe olona izay ho avy tsy ho ela amin'izy ireo izany. DH: "ny vaovao izay ho ren'izy ireo tsy ho ela" (UDB)
Ity dia miresaka ny olona lasa matahotra toy ny hoe miha-ketraka ny fon'izy ireo. Ary koa, ity dia miresaka ny fahatahorana toy ny hoe reraka. DH: "fa hatahotra ny olona rehetra"
"ho reraka"
Ity dia miresaka ny olona lasa matahotra ao amin'ny fanahin'izy ireo toy ny hoe efa hiha-ketraka ny fanahin'izy ireo. DH: "ny olona rehetra dia hatahotra ao anatin'izy ireo"
"halemy tahaka ny rano ny lohalika rehetra" (UDB). Ity dia fanalefahana ho an'ny olona izay matahotra mafy ka tsy mahafehy ny tataviany hany ka mamàny an-kilaoty. DH: "ho kotsan'ny amàny ny lohalika rehetra" na "tsy hahafehy ny amàniny ny olona rehetra"
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
DH: "maranitra sy mangirana izany." Ity fehezanteny ity dia manondro fa ny sabatra dia efa vonona ho ampiasain'ny olona.
Nisy olona nanalefaka, nampangirana, ary nanadio an'ilay sabatra tamin'ny fitaovana marokoroko.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny vahoakan'i Jerosalema sy ny tanin'Israely.
DH: "ho ranitiko izany ... ho ataoko mangirana izany mba ho"
Ity dia midika fa hanjelatra be ilay sabatra ka hitaratra mora sy mazava avy eo amin'izay ny hazavana. DH: "mba hanjelatra toy ny tselatra izany" na "mba hitaratra mazava tahaka ny tselatra eo amin'izany ny hazavana"
Ity fanontaniana fampisainana ity dia manamafy fa ny vahoakan'Israely dia tsy hankalaza ny fahefan'ny mpanjakan'izy ireo satria tsy afaka miharitra ny "sabatra" izany. DH: "Ny vahoakan'i Joda dia tsy hankalaza ny momban'ny tehim-panjakan'ny mpanjakan'izy ireo." na "tsy tokony hankalaza ny fahefan'ny tehim-panjakan'ny mpanjakantsika isika" (UDB)
Ny teny hoe "isika" dia maneho an'i Ezekiela sy ny vahoakan'Israely.
Eto Yaveh dia maneho ny mpanjakan'i Joda toy ny hoe zanany lahy. Ny tehim-panjakan'ny mpanjaka dia maneho ny fanapahany ho mpanjaka. DH: "amin'ny tehim-panjakan'ny mpanjaka" na "amin'ny fahefana asehon'ny tehim-panjakan'ny mpanjaka"
Eto ny hoe "sabatra" dia toy ny hoe avy hanafika ny olona. Ity dia miresaka ny mpanjaka tsy afaka miharitra an'ilay "sabatra" toy ny hoe mankahala ny tehim-panjakan'ny mpanjaka ilay "sabatra." DH: "ilay sabatra dia handresy ny tehim-panjakany toy ny amin'ireo mpanapaka hafa rehetra" na "satria ny mpanjaka dia tsy ho afaka ny hiharitra rehefa hanohitra azy ny sabatra"
Ity dia nampiasaina mba hanesoana ny tehin'ilay mpanjaka amin'ny fiantsoana izany hoe "tsora-kazo." DH: "tehina tahaka izany"
DH: "ho ataoko mangirana ny sabatra"
DH: "avy eo ilay olo-marina hihazona izany amin'ny tanany" (UDB)
DH: "efa vonona ho ampiasain'ilay mpamono izany"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny vahoakan'i Jerosalema sy ny tanin'Israely.
"Novonoina tamin'ny sabatra niaraka tamin'ny oloko izy ireo"
DH: "ary hampatahotra be raha mamotika an'ilay tehina ilay sabatra ka lasa ilay tehina"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany.
DH: "sabatra hamonoana olona."
Ny hoe "izy ireo" dia maneho ny vahoakan'i Jerosalema sy ny tanin'Israely.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny vahoakan'i Jerosalema sy ny tanin'Israely.
Eto ny hoe "lavo" dia maneho ny olona maty any an'ady. DH: "mba hamono olona maro eo amin'izy ireo"
Ny hoe "izy ireo" dia maneho ny vahoakan'i Jerosalema.
Izany dia toy ny hoe niresaka tamin'ny sabatra i Yaveh.
"eo amin'izay rehetra nampitodihako ny lelan-tsabatrao."
Eto ny hoe "tava" dia maneho ny lelan'ilay sabatra.
"niteny ny teniny Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
DH: "ny tafika"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany.
milina lehibe izay nampiasain'ny olona mba handrodanana manda na tilikambo.
"hamely an'i Jerosalema"
Ireo dia tovon-tany misavovona izay namboarin'ny mpanjakan'i Babylona mba hahafahan'ireo miaramilany miakatra ny mandan'i Jerosalema.
Ireo dia tilikambo vita amin'ny hazo izay namboarin'ny mpanjakan'i Babylona manodidina an'i Jerosalema mba hanomezana fahafahana an'ireo miaramila Babyloniana mba hitifitra zana-tsipìka hihoatra ny mandan'i Jerosalema.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny vahoakan'i Jerosalema.
"amin'ny fanehoana ny faharatsianao, dia hiseho mazava amin'ny olona rehetra ireo fahotanao."
"noho izany antony izany dia hahazo ny olona rehetra fa"
DH: "hisambotra anao ny mpanjakan'i Babylona."
Yaveh manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny mpanapaka an'Israely.
Ity fehezanteny ity dia midika hoe "izay ho sazian'i Yaveh izao."
"amin'ny fotoana hampitsaharan'i Yaveh ny heloka"
sombin'akanjo tsara izay anaovan'ireo mpanjaka eo amin'ny lohan'izy ireo ho famantarana ny fahefany.
"ary ataovy ambany izay misandratra"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
"ao ivelan'ny fitoerany"
Ny teny hoe "anao" dia maneho ny firenen'i Amona. Ity dia mitohy hatrany amin'ny andininy faha 32.
"fahitana izay tsy marina"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny vahoakan'i Amona.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 21:1.
"ao amin'ny toerana nahariako anao"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny vahoakan'i Amona.
"handoro anao ny afo"
1 Ary tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Ary ianao, ry zanak'olona, hitsara ve ianao? Hitsara ny tanànan'ny rà ve ianao? Ampahafantaro azy ny fahavetavetany rehetra. 3 Tsy maintsy lazainao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ity dia tanàna izay mandraraka rà eo afovoany mba hahatongavan'ny fotoany; tanàna izay manao sampy mba handotoana ny tenany. 4 Meloka nohon'ny rà izay efa nalatsakao ianao, ary voaloton'ireo sampy izay nataonao. Fa efa nanafoy ny andronao sy nampanatona ny taonanao farany ianao. Noho izany dia hataoko ho henatra ho an'ireo firenena ianao ary fihomehezana eo imason'ny tany rehetra. 5 Ireo izay akaiky anao sy ireo izay lavitra anao dia samy haneso anao, ianao ry tanàna maloto, sady fantatra na aiza na aiza ny lazanao amin'ny maha feno fifanjevona anao. 6 Indro! Ireo mpanapak'Israely, samy amin'ny fahefany avy, dia efa tonga teo aminao mba handatsa-drà. 7 Efa nanala baraka ireo ray sy reny tao aminao izy ireo, ary nanatanteraka fampahoriana tamin'ireo vahiny teo afovoanao. Ratsy fitondra ireo kamboty sy ireo mpitondratena tao aminao izy ireo. 8 Efa nanao tsinontsinona ireo zavatro masina ianao ary nanimbazimba ny Sabatako. 9 Ireo lehilahy mpanendrikendrika dia efa tonga teo aminao mba handatsa-drà, ary mihinana eny an-tendrombohitra izy ireo. Manatanteraka faharatsiana eo afovoanao izy ireo. 10 Efa niharihary tao aminao ny fitanjahan'ny ray. Efa nanararaotra ny vehivavy tsy madio nandritry ny fadim-bolany tao aminao izy ireo. 11 Ireo lehilahy izay manao fahavetavetana miaraka amin'ireo vadin'ny mpiray vodirindrina aminy, ary ireo lehilahy izay mandoto amin-kenatra ireo vinanto vaviny ihany; ireo lehilahy izay manararaotra ireo anabaviny—dia ireo zanakavavin'ny rainy ihany—ireo rehetra ireo dia eo aminao. 12 Ireo lehilahy ireo dia mandray kolikoly eo aminao mba handatsahan-drà. Efa nandray tombony ianao ary nahazo tombony betsaka tokoa, nandrava ireo mpiray monina tamin'ny fampahoriana ianao, ary nanadino Ahy—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 13 Indro! Tamin'ny tanako no namelezako ireo tombony tsy ara-drariny izay azonao, sy ny fandatsahan-drà izay eo afovoanao. 14 Hahazaka ve ny fonao, hahery ve ny tananao amin'ny andro izay hamelezako anao? Izaho, Yaveh, no manambara izany, ary hataoko izany. 15 Koa hanaparitaka anao eo amin'ireo firenana Aho ary hampiely anao manerana ny tany. Amin'izany fomba izany, no hanadiovako ny fahalotoanao aminao. 16 Ka haloto eo imason'ireo firenena ianao. Ary ho fantatrao fa Izaho no Yaveh."' [1]17 Avy eo dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 18 "Ry zanak'olona, amiko ny ankohonan'Israely dia efa lasa tain-drendrika. Izy rehetra ireo dia sisam-barahina sy vy fotsy, ary vy sy firaka eo afovoanao. Ho tahaka ny tain-drendrika volafotsy ao anaty lafaoronao lehibe izy ireo. 19 Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: 'Satria efa lasa tahaka ny tain-drendrika ianareo rehetra, noho izany, indro! Efa hanangona anareo eo afovoan'i Jerosalema Aho. 20 Tahaka ny volafotsy sy varahina, vy, firaka ary vy fotsy voahangona eo afovoan'ny lafaoro lehibe izay tsy maintsy hisy afo hitsoka izany, no handrendrehako anao. Koa hanangona anao ao amin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako Aho. Hatsofoko ao ianao ary hitsoka ny afo ao amin'izany Aho mba handrendrika izany; koa hanangona anao amin'ny fahatezerako sy amin'ny fahavinirako Aho, ary hametraka anao ao Aho ka handrendrika anao. 21 Koa hanangona anao Aho ary hitsoka anao amin'ny afon'ny fahatezerako ka ho rendrika eo afovoany ianao. 22 Tahaka ny volafotsy rendrika ao afovoan'ny lafaoro lehibe, no haharendrika anao eo afovoany, ka ho fantatrao fa Izaho, Yaveh, no efa nandraraka ny fahatezerako taminao!'" 23 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 24 "Ry zanak'olona, lazao aminy hoe: 'Ianao dia tany mbola tsy voadio. Tsy misy orana amin'ny andron'ny fahatezerana! 25 Misy fiaraha-mitsikombakomban'ireo mpaminaniny eo afovoany, tahaka ny liona mierona mamiravira ny hazany. Mandevona ny fiainana izy ireo ary maka harena sarobidy; namela mpitondratena maro tao aminy izy ireo! [2]26 Manao herisetra amin'ny lalàko ireo mpisorony, ary manimbazimba ireo zavatro masina izy ireo. Tsy manavaka ny zava-masina sy zavatra voazimbazimba izy ireo, ary tsy mampianatra ny fahasamihafana eo amin'ny maloto sy ny madio. Manafina ny masony amin'ny Sabatako izy ireo mba hanimbazimbana Ahy eo afovoany. 27 Ireo andrian-dahiny ao aminy dia tahaka ny amboadia mamiravira ireo hazany. Mandatsa-drà izy ireo ary mandrava fiainana, mba hahazoana tombony tsy ara-drariny. 28 Nandoko azy ireo tamin'ny lalotra fotsy ireo mpaminaniny; mahita fahitana diso izy ireo ary maminany lainga amin'izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Izao no lazain'ny Tompo Yaveh" nefa tsy niteny akory Yaveh. 29 Ireo mponin'ny tany dia nampahory tamin-kery sy nambabo tamin'ny fandrobana, ary manao ratsy fitondra ny mahantra sy ny fadiranovana izy ireo, sady mampahory ny vahiny tsy amin-drariny. 30 Koa nitady lehilahy iray tao amin'izy ireo izay hanangana manda sy hitsangana eo anatrehako eo amin'ny elakelak'izany ho an'ny tany Aho mba tsy handravako izany, fa tsy nahita Aho. 31 Koa handraraka ny fahatezerako eo amin'izy ireo Aho. Handringana azy ireo amin'ny afon'ny fahatezerako Aho ary hametraka ny lalany eo amin'ny lohan'izy ireo ihany—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.'"
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
DH: "Ry zanak'olona, mandehana ary mitsarà. Mandehana ary tsarao ny tanànan'ny rà?
Yaveh dia maneho an'i Jerosalema toy ny hoe tanànan'ny rà. Ity dia maneho ny famonoana olona sy ny herisetra izay mitranga any Jerosalema.
Jerosalema eto no resahana. Tanàna izay matetika noheverina ho vehivavy. Ity dia mitohy hatrany amin'ny andininy faha 32.
Yaveh manohy miresaka amin'ny alalan'i Ezekiela amin'ny vahoakan'i Jerosalema.
Ireo fehezanteny ireo dia samy midika fa efa akaiky ny fotoana izay hanasazian'i Yaveh an'i Jerosalema.
vahoaka maro ny Jerosalema no mifanjevo
Yaveh miresaka momban'ilay mpanapak'Israely ao Jerosalema.
DH: "jereo" na "henoy" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao."
Ny hoe "ianao" eto dia maneho an'i Jerosalema.
Eto ny hoe "tendrombohitra" dia maneho an'ireo alitara ireo sampy izay eny amin'ireo tendrombohitra. Mihinana hena izay natao sorona tamin'ireo sampy izy ireo mba hahazoana ny fitahian'ireo andriamanitra diso.
Ity dia midika fa manao zavatra ratsy ao anatin'ny tanànan'i Jerosalema izy ireo.
Andriamanitra manohy miresaka amin'ny alalan'i Ezekiela momban'ireo zavatra mahatsiravina izay nataon'ny vahoakan'i Jerosalema.
Ireo dia maneho an'i Jerosalema (ny vahoakan'i Jerosalema).
Ireo no fomba rehetra hilazana fa ireo lehilahy dia niara-nandry tamin'ny vehivavy izay tsy tokony niarahan'izy ireo nandry sy ny maha-feno fahotana ny asan'izy ireo.
Ity teny ity dia maneho ny vola aloan'ny olona iray mba hampiasana vola nindramina. Na izany aza, ny dikanteny sasany amin'izao dia mandika ny "tombony" ao amin'ity andalana ity hoe "tombony be loatra."
ny mandà ny hankato an'i Yaveh dia toy ny hoe manadino fa misy Izy.
Yaveh manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema amin'ny firesahana mivantana amin'ny tanànan'i Jerosalema.
ny teny hoe "namely" dia maneho an'i Yaveh manao fihetsika manohitra an'ireo zavatra ireo.
DH: "tsy hahazaka ny fonao, tsy hahery ny tananao amin'ny andro hamelezako anao."
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 12:14.
manala zavatra tsy ilaina.
"amin'ny hevitr'ireo vahoaka any amin'ny firenena hafa"
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
DH: "tsy misy dikany"
DH: "tsy misy dikany ny vahoaka rehetra manodidina anao"
Andriamanitra manohy mamaritra ny saziny amin'ny vahoakan'Israely any Jerosalema toy ny vy izay mitsonika sy diovina ao amin'ny lafaoro.
Ny sazin'Andriamanitra dia aseho toy ny afon-dafaoro lehibe izay hanadio an'i Jerosalema tahaka ny lafaoro manasaraka ny vy tsy ilaina amin'ny vy sarobidy rehefa mitsonika ireo.
Yaveh miteny an'i Ezekiela mba hiresaka amin'i Jerosalema.
"Niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Ny orana dia nampiasaina toy ny ohatra amin'ny fitahian'Andriamanitra. DH: "Tsy misy fitahiana amin'ny andron'ny fahatezerana"
tetika miafina ataon'ny olona roa na mihoatra mba hanao zavatra mampidi-doza na tsy ara-dalàna.
Mpisoron'i Jerosalema
Ireo dia mitovy hevitra ary manamafy ny herisetra izay ataon'ireo andriandahin'i Jerosalema. DH: "mamono olona izy ireo" (UDB).
Yaveh mampitaha an'ireo mpitarik'i Jerosalema amin'ny rindrina ary ny tenany amin'ny tafika manafika.
mpitarika iray mametraka ny tenany eo anelanelan'i Yaveh sy ny vahoaka amin'ny fandraisana andraikitra mba hitarika azy ireo hiverina amin'ny fahamarinana. DH: "lehilahy iray eo amin'izy ireo izay hiasa toy ny rindrina"
mba hitsangana eo amin'ny faritry ny rindrina izay misy lavaka na simba. Ny mpitarika miaro ny vahoakan'Israely dia toy ny mpiady miaro tanàna any an'ady.
fitsaràna izay afaka araraka toy ny rano avy ao anaty lovia baolina.
ny fitsaràn'Andriamanitra dia toy ny afo satria tena mafy izany.
Ny mametraka zavatra eo an-dohan'ny olona iray dia maneho ny fampitondrana izany azy ireo na fandraisana ny andraikitra amin'izany. DH: "manao azy ireo ho tompon'andraikitra amin'izay nataon'izy ireo"
1 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Ry zanak'olona, nisy vehivavy roa, iray reny. 3 Nanao toy ny mpivaro-tena tany Egypta tamin'ny fotoan'ny fahatanorany izy ireo. Nanao toy ny mpivaro-tena izy ireo tany. Ny tratran'izy ireo dia nofihinina ary ny nonony virijiny dia nosafosafoina tany. 4 Ny anaran'izy ireo dia Ohola—ny zokiny—ary Oholiba—ny zandriny. Dia lasako izy ireo ary niteraka zazalahy sy zazavavy. Izao no dikan'ny anaran'izy ireo: Ohola dia midika hoe Samaria, ary Oholiba dia midika hoe Jerosalema. 5 Nefa mbola nanao toy ny mpivaro-tena ihany i Ohola na dia Ahy aza izy; nila ireo malalany, ireo Asyriana izay nanjaka, 6 ny governora izay niakanjo volomparasy, ary ireo manamboninahiny, izay matanjaka sy tsara tarehy izy, izy rehetra dia mitaingin-tsoavaly avokoa. 7 Dia nanolotra ny tenany toy ny mpivaro-tena tamin'izy ireo, tamin'ny lehilahin'i Asyria tsara indrindra rehetra izy, ka nandoto tena tamin'ny olon-drehetra izay nilainy—sy tamin'ny sampin'izy ireo rehetra izy. 8 Fa tsy navelany tany Egypta ny fitondran-tenany toy ny mpivaro-tena, raha niara-nandry taminy izy ireo fony izy mbola tovovavy, raha vao nanomboka nanafosafo ny tratrany virijiny izy ireo, raha vao nanomboka nandraraka ny fijangajangany taminy izy ireo. 9 Koa dia natolotro teo an-tanan'ireo malalany, teo an-tanan'ireo Asyriana izay nilainy izy. 10 Nampitanjaka azy izy ireo. Nalainy ireo zanany lahy sy ny zanany vavy, ary novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra izy, dia tonga henatra ho an'ny vehivavy hafa izy, ka notsarain'izy ireo. 11 Hitan'i Oholiba rahavaviny izany, saingy nanana filàna tamim-paniriana bebe kokoa aza izy ary nijangajanga kokoa noho ny rahavaviny aza. 12 Nila ireo Asyriana, ireo governora sy ireo manamboninahitra nanjaka izay niakanjo manaitra, izay lehilahy mitaingin-tsoavaly izy. Lehilahy matanjaka sy tsara tarehy avokoa izy rehetra. 13 Hitako fa nandoto ny tenany izy. Nitovizan'izy mirahavavy izany. 14 Dia nampitombo ny fivarotan-tenany bebe kokoa aza izy. Nahita lehilahy natao sary sikotra tamin'ny rindrina izy, dia sarin'ireo Kaldeana nolokoina mena, 15 manao fehikibo eo am-balahany, sy hamama misy rambony eo an-dohany. Izy rehetra dia niendrika toy ny manamboninahitry ny tokon-kalesy, tahaka ireo zanakalahin'i Babylona, izay teratany Kaldeana. 16 Vantany vao nahita azy ireo ny masony, dia nila azy ireo, ka dia nandefa iraka tany amin'izy ireo tany Kaldea izy. 17 Dia tonga teo aminy sy teo amin'ny fandrian'ny filàny ireo Babyloniana, ka nandoto azy tamin'ny fijangajangany. Tamin'izay nataony dia voaloto izy, koa dia nihodina niala teo amin'izy ireo tamin'ny rikoriko izy. 18 Nampiseho ny fivarotan-tenany izy ary naneho ny vatany mitanjaka, ka dia niala taminy ny fanahiko, tahaka ny nialan'ny fanahiko tamin'ny rahavaviny. 19 Dia nivaro-tena bebe kokoa izy, raha nahatadidy sy naka tahaka ireo andron'ny fahatanorany, fony izy nanao toy ny mpivaro-tena tany amin'ny tany Egypta. 20 Koa dia nila ireo malalany izy, izay tahaka ny an'ireo boriky ny faritra saro-padin'izy ireo, ary izay tahaka ny an'ireo soavaly ny ranon'ainy. 21 Izany no nanalanao baraka ny fahatanoranao, raha nanafosafo ny nononao sy namihina ny tratranao tanora ireo Egyptiana. 22 Noho izany, ry Oholiba, izao no lazain'ny Tompo Yaveh: 'Indro! Hampivadihako aminao ireo malalanao. Ireo izay nialanao, hataoko manohitra anao amin'ny lafiny rehetra izy ireo: 23 dia ireo Babyloniana sy ireo Kaldeana rehetra, Pekoda, Soa, ary Koa, sy ireo Asyriana rehetra miaraka aminy, matanjaka, lehilahy tsara tarehy, ireo governora sy mpifehy, izy rehetra dia manamboninahitra avokoa sady lehilahy malaza, mitaingin-tsoavaly avokoa izy rehetra. 24 Hanohitra anao amin'ny fitaovam-piadiana, sy amin'ny kalesy sy kodia, ary amin'ny vahoaka maro be izy ireo. Hametraka ampinga lehibe, ampinga kely, ary aroloha hanohitra anareo any amin'ny manodidina izy ireo. Homeko hirika hamaizana anao izy ireo, ka hanafay anao amin'ireo fanaony. 25 Fa hataoko eo aminareo ny hatezeran'ny hasarota-piaroko, ka hamely anao amin'ny fahavinirana. Hanapaka ny oronao sy ny sofinao izy ireo, ary ho fatin'ny sabatra ny sisa velona aminao. Ho alain'izy ireo ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, ary ho levon'ny afo ny sisa velona aminao. 26 Hanala ny akanjonao izy ireo ary haka ny firavakao rehetra. 27 Koa hanala ny fitondran-tena mahamenatrao aminao sy ny fivarotan-tenanao ao amin'ny tany Egypta Aho. Tsy hampiandrandra ny masonao am-paniriana any amin'izy ireo ianao, ary tsy hihevitra ny amin'i Egypta intsony.' 28 Fa izao no lazain'ny Tompo Yaveh: 'Indro! Hatolotro eo an-tanan'ireo izay mankahala anao ianao, miverina eo an-tanan'ireo izay efa nialanao. 29 Hamely anao am-pankahalana tokoa izy ireo; haka ny fanananao rehetra sy hamela anao hitanjaka sy tsy mikapa izy ireo. Haharihary ny fahamenaran'ny fitanjahan'ny fivarotan-tenanao, dia ireo fitondran-tena mahamenatrao sy ny fijangajanganao. 30 Ireo zavatra ireo dia hatao aminao amin'ny fanaovanao toy ny mpivaro-tena, filàna tamin'ireo firenena izay nahatonga anao haloto tamin'ireo sampiny. 31 Nandeha tamin'ny lalan'ny rahavavinao ianao, koa hataoko eo an-tananao ny kapoakin'ny famaizana azy.' 32 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: 'Hisotro ny kapoakan'ny rahavavinao izay lalina sy lehibe ianao. Ho tonga fihomehezana sy foto-pihomehezana ianao—feno hipoka izany kapoaka izany. 33 Ho vonton'ny hamamoana sy alahelo ianao, dia ny kapoaky ny horohoro sy fandravana; ny kapoakan'i Samaria rahavavinao. 34 Hisotro izany ianao ka handany izany; dia hanorotoro izany ianao ka handritra ny tratranao amin'ireo potiny. Fa efa nanambara izany Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.' 35 Koa, izao no lazain'ny Tompo Yaveh: 'Satria efa nanadino Ahy sy nanary Ahy tao ivohonao ianao, dia ho toy izany koa no hizakanao ny vokatry ny fitondran-tena mahamenatrao sy ny fijangajanganao.'" 36 Hoy Yaveh tamiko: "Ry zanak'olona, hitsara an'i Ohola sy Oholiba ve ianao? Koa asehoy azy ireo ary ny fomba maharikorikony, 37 satria efa nijangajanga izy ireo, ary satria misy rà eo an-tanany. Nijangajanga tamin'ireo sampiny izy ireo, ary nandefa ny zanany lahy tao anaty afo aza izy ireo, ho sakafo ho an'ireo sampiny. 38 Dia nanohy nanao izao tamiko izy ireo: Nandoto ny fitoerako masina izy ireo, ary tamin'izany andro izany ihany no nandotoany ny Sabatako. 39 Fa rehefa namono ireo zanany ho an'ireo sampy izy ireo, dia tonga teo amin'ny fitoerako masina tamin'izany andro izany ihany mba handoto izany! Koa indro! Izany no nataon'izy ireo tamiko teo afovoan'ny tranoko. 40 Nandefa lehilahy izay avy lavitra ianao, dia izay nandefasana mpitondra hafatra—indro ankehitriny. Tonga tokoa izy ireo, ireo izay nandronao, nandokoanao ny masonao, sy nanaingoanao firavaka ny tenanao. 41 Teo no nipetrahanao tamin'ny fandriana tsara sy teo an-databatra voalamina teo anoloan'izany izay nametrahanao ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko. 42 Koa nanodidina azy ny feon-tabataban'ny vahoaka; anisan'izany ny karazan-dehilahy rehetra, na dia Sabeana aza dia nentina avy tany an'efitra, ka nasian'izy ireo haba ny tanany ary satroboninahitra tsara tarehy ny lohany. 43 Dia niteny ny aminy izay tontan'ny fijangajangana aho hoe: 'Ho fijangajangana aminy izy ireo ankehitriny, ary izy amin'izy ireo.' 44 Nankao aminy izy ireo ka niara-nandry taminy toy ny lehilahy miditra mba hiaraka amin'ny mpivaro-tena. Izany no nandrian'izy ireo niaraka tamin'i Ohola sy Oholiba, izay vehivavy ratsy fitondran-tena. 45 Nefa ny olo-marina hitsara sy hanafay azy ireo tahaka ny vehivavy janga, ka hanafay azy ireo amin'ny famaizana ho an'ireo izay nandatsa-drà, satria vehivavy janga izy ireo sady eo an-tanan'izy ireo ny rà. 46 Koa izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Hanangana vahoaka maro hanohitra azy ireo sy hanolotra azy ireo ho ampihorohoroina sy robaina Aho. 47 Ary izany vahoaka izany dia hitora-bato azy ireo sy hanapaka azy ireo amin'ny sabany. Hamono ireo zanakareo lahy sy ireo zanakareo vavy izy ireo ka handoro ny tranon'izy ireo. 48 Fa hanala ny fitondran-tena mahamenatr'izy ireo amin'ny tany Aho ary hananatra ny vehivavy rehetra mba tsy hijangajangan'izy ireo intsony. 49 Koa ho apetrany aminareo ny fitondran-tena mahamenatreo. Hizaka ny heloky ny fahotanareo tamin'ireo sampinareo ianareo, ary izany no hahalalanareo fa Izaho no Tompo Yaveh."
Yaveh milaza tantara mombana vehivavy roa any Egypta amin'i Ezekiela mba hanehoana ny fahitany ny fitondrantenan'ny vahoakan'Israely.
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
DH: "nofihinin'ny lehilahy ny tratran'izy ireo."
Ity fehezanteny ity dia mitovy hevitra amin'ilay fehezanteny teo aloha ary manamafy ny fitondratena tsy mendrik'ireo tovovavy roa. DH: "tany dia nosafosafoin'ny lehilahy ny nonony virjiny"
voakitika am-pitiavana na moramora
Ity dia anaram-behivavy izay midika hoe "ny lainy."
Ity dia anaram-behivavy izay midika hoe "ao aminy ny laiko."
Yaveh manohy milaza ny tantarany amin'i Ezekiela momban'ilay vadiny Ohola mampirafy.
ity dia maneho hoe iza no faritan'ny teny hoe "izy ireo"
Yaveh manohy milaza ny tantarany amin'i Ezekiela momban'ilay vadiny Ohola mampirafy.
Ny teny hoe "tanana" dia maneho ny hery na fahefana. Ny fehezanteny faharoa dia manazava fa "ireo Asyriana" no "malalany." DH: "natolotro tamin'ireo malalany, tamin'ireo Asyriana izy."
Yaveh manomboka milaza amin'i Ezekiela ilay tantara momban'ny vadiny Oholiba mampirafy, ilay rahavavin'i Ohola.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 23:1.
Ireo fehezanteny ireo dia samy mamaritra an'ireo lehilahy izay manan-karena. DH: "izay nanan-karena"
DH: "Ireo mpirahavavy dia samy lasa maloto tamin'ny alalan'ny fijangajangana"
Yaveh manohy milaza amin'i Ezekiela ilay tantara momban'ny vadiny Oholiba mampirafy.
satroka vita amin'ny akanjo lava ary fonosina manodidina ny tampo-ndohan'ny lehilahy.
Yaveh manohy milaza amin'i Ezekiela ilay tantara momban'ny vadiny Oholiba mampirafy.
DH: "Ny fihetsem-pony amin'izy ireo dia niova tamin'ny faniriana ho amin'ny rikoriko"
DH: "nahatsiaro sy nanao zavatra mitovy tamin'ny nataony fony izy mbola tanora"
Yaveh mamarana miresaka momban'i Oholiba sy ireo Asyriana ary manomboka miresaka amin'i Oholiba.
lehibe tanteraka, mba hampisehoana ny faharatsian'ny fanirian'i Oholiba.
DH: "jereo" na "henoy" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao."
Ireo dia anarana vondron'olona izay nipetraka tany Babylona.
Ny teny Hebreo izay adika eto hoe "fitaovam-piadina" dia vitsy. Dikanteny vaovao maro no mandika izany amin'ity fomba ity, fa ireo dikanteny sasany dia manala izany.
Ireo fitaovana fiarovana ireo dia ampiasaina mba hanehoana an'ireo karazana miaramila samihafa any an'ady.
Ity dia mamaritra ny sazy any Babylona ho an'ny vehivavy manambady izay miara-mandry amin'ny lehilahy izay tsy vadin'izy ireo. DH: "hanasazy anao toy ny mpijangajanga izy ireo"
Ity dia fomba hanehoana olona iray manodina ny lohany mba hijery zavatra. DH: "tsy hijery ianao"
Ny hoe "hihevitra ny amin'i Egypta" dia maneho ny fijangajangana izay nianarany tany Egypta. Tsy hieritreritra ny momba azy ireo intsony izy satria nianatra izy fa izy ireo dia tsy hanome azy an'ireo zavatra tsara izay ananan'ireo Egyptiana, Babyloniana, ary ireo Asyriana. Fa kosa, ny fivarotan-tena dia nahatonga azy ho voasazy ary tsy te-hieritreritra ny hanao ireo intsony izy.
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy fanamafisana ny amin'izay manaraka. DH: "tokoa"
Ireo teny roa ireo dia mitovy hevitra ary manamafy fa hitanjaka tanteraka izy.
Ireo fehezanteny ireo dia samy mamaritra ny fivarotan-tenany ary manamafy ny haratsin'izany fitondratena izany.
Ny antony hilazan'ity fehezanteny ity fa nanao toy ny mpivaro-tena tamin'ireo firenena i Oholiba dia satria ireo lehilahy izay niarahany nandry dia famantarana ny harena sy fahefan'ireo firenena ireo.
Ny teny hoe "kapoaka" dia maneho ny sazin'i Oholiba. Izany dia maneho ny zavatra izay noraisiny.
Ny fisotroana amin'ny kapoaka mitovy dia fomba hafa hilazana fa hiaina zavatra mitovy izy ireo. DH: "hiaina sazy mitovy amin'ny rahavavinao ianao"
Ity dia maneho ny habetsaky ny sazy azon'izy ireo. DH: "izay mafy"
Ireo dia samy maneho olona iray izay hiomehezana sy voakiana nohon'ny fitondratena adaladalan'izy ireo.
Ity fehezanteny ity dia tsy milaza izay ao anatin'ilay kapoaka satria efa azo izany amin'ny famakiana ny 23:30. DH: "izany kapoaka izany dia feno sazy"
"kapoaka izay mahatonga horohoro sy fandravana." Ireo teny hoe "horohoro" sy "fandravana" dia mizara dika mitovy eto ary manamafy ny ho hamafin'ny saziny"
Ohola rahavavin'i Oholiba dia nisolo-tena an'i Samaria. Samaria dia natsoina tamin'ny anarany fa mbola maneho ny rahavaviny. Ny kapoaka dia famantarana ny sazy izay azony.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Yaveh dia milaza fa Oholiba dia tsy miraharaha ny momba azy.
DH: "Ry zanak'olona, hitsara an'i Ohola sy Oholiba ianao!"
Ny rà dia vokatry ny famonoana olona, ary noho izany dia maneho famonoana. DH: "namono olona izy ireo"
Yaveh miresaka an'i Ezekiela momban'i Ohola sy Oholiba.
Ny hoe "tamin'izany andro izany ihany" dia maneho ny fehezanteny teo aloha hoe "nandoto ny fitoerako masina." DH: "ary tamin'io andro io ihany izy ireo dia nandoto ny fitoerako masina, nandoto ny Sabatako izy ireo"
DH: "tonga handoto ny fitoerako masina tamin'ny andro namonoana ny zanak'izy ireo ho an'ny sampin'izy ireo"
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy manamafy an'izay manaraka eo. DH: "tokoa!"
Ezekiela miresaka amin'i Ohola sy Ohaliba.
DH: "jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao manaraka!"
Ireo dia zavatra ataon'ny vehivavy iray mba hisehoana tsara kokoa amin'ny lehilahy iray.
zavatra ampiasaina hanompoana an'i Yaveh.
Ezekiela dia maneho an'i Ohola sy Oholiba amin'ny famaritana.
Ity fehezanteny ity dia mampiasa porofona herisetra mba hilazana fa meloka amin'ny herisetra izy ireo.
Ny hoe "hanangana" dia maneho ny fitombon'ny isan'ny olona. DH: "hanangona vondron'olona maro"
Yaveh dia manolotra ny andrakitra hikarakara azy ireo sy hamela azy ireo hijaly amin'ny safidin'izy ireo.
DH: "ho ampihorohoroina sy robain'ireo vahoaka maro izy ireo"
"hataony manaiky ny andraikitra nohon'ny fitondran-tena mahamenatrareo ianareo"
"hanaiky ny andraikitra nohon'ny heloky ny fahotanareo"
1 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh tamin'ny taona fahasivy, tamin'ny volana fahafolo, sy tamin'ny andro fahafolon'ny volana, nanao hoe: 2 "Ry zanak'olona, soraty ho an'ny tenanao ny anaran'ity andro ity, ity andro marina ity, fa tamin'ity andro marina ity no nanaovan'ny mpanjakan'i Babylona fahirano an'i Jerosalema. 3 Koa mitenena ohabolana manohitra ity taranaka mpikomy ity, fanoharana iray. Lazao amin'izy ireo hoe: "Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Apetraho ilay vilany fandrahoana. Apetraho izany ary raraho rano ao anatin'izany. 4 Manangòna vaingan-tsakafo ao anatin'izany, izay vaingany tsara rehetra—ny feny sy ny sorony—ary fenoy an'ireo taolana tsara indrindra izany. 5 Alaivo izay tsara indrindra amin'ireo ondry ary tohofy ao ambanin'izany ireo taolana. Ento amin'ny lovia boribory izany ary andrahoy ao anatin'izany ireo taolana. 6 Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Loza ho an'ny tanànan'ny rà, vilany fandrahoana izay harafesina ny ao anatiny ary tsy ho afaka izany harafesina izany. Alaivo tsikelikely izany, fa aza hanaovana filokana. 7 Fa ny ràny dia eo afovoany. Napetrany teo ambony vatolampy malama izany; tsy nararany teo amin'ny tany ho rakotry ny vovoka izany, 8 koa nampiakatra hatezerana ho amin'ny valifaty marina izany. Napetrako teo amin'ny vatolampy malama ny ràny mba tsy ho voasarona. 9 Noho izany, ny Tompo Yaveh dia milaza izao: Loza ho an'ilay tanànan'ny rà. Hanampy ny kitay ihany koa Aho. 10 Hatohofy ny kitay ary areto ny afo. Andrahoy tsara ny sakafo ary afangaroy ireo hanitra ary avelao ho may ireo taolana. 11 Avy eo ataovy tsy misy na inona na inona eo ambony afo ilay vilany, mba hampafana sy handoro ny varahiny, dia hifangaro ny loto ao anatiny, ho levona ny harafesiny.' 12 Lasa reraka nohon'ny fisasarany izy, fa ny harafesiny dia tsy niala taminy tamin'ny afo. 13 Ny fitondran-tenanao mahamenatra dia ao amin'ny fahalotoanao, satria nanadio anao Aho, kanefa tsy mbola nadio ianao. Tsy mbola ho afaka amin'ny fahalotoanao ianao mandra-pitsahatry ny hatezerako aminao. 14 Izaho, Yaveh, dia nanambara izany, ary ho ataoko izany. Tsy hitsahatra Aho na hiantra. Araka ireo lalanareo, sy araka ireo asanareo, dia hitsara anareo ireny! —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh." 15 Avy eo tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 16 "Ry zanak'olona! Indro, esoriko aminao amin'ny areti-mandringana ny fanirian'ny masonao, kanefa aoka ianao tsy hisaona na hitomany, ary aoka tsy hikoriana ny ranomasonao. 17 Aoka hisento mangina ianao. Aza manao fandevenana ho an'ny maty. Fehezo ny hamamanao ary asio kapa ny tongotrao, fa aza saronana voaly ny volombavanao na mihinana ny mofon'ny olona izay misaona nohon'ny fahaverezana ny vadin'izy ireo ianao." 18 Koa niteny tamin'ny olona aho ny maraina, ary maty ny vadiko ny hariva. Ny maraina aho dia nanao izay nandidiana ahy ho atao. 19 Nanontany ahy ny vahoaka hoe: "Tsy hilaza aminay ny dikan'ireo zavatra ireo ve ianao, ireo zavatra izay ataonao?" 20 Koa hoy aho tamin'izy ireo hoe: "Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 21 'Lazao amin'ny taranak'Israely, izao no lazain'i Yaveh: Indro! Ho zimbazimbaiko ny fitoerako masina—ny reharehan'ny herinareo, ny sitraky ny masonareo, sy ny fanirian'ny fanahinareo, ary ho lavo amin'ny sabatra ireo zanaka lahy sy zanaka vavinareo izay navelanareo. 22 Ary dia hanao mitovy tahaka izay efa nataoko ianareo: tsy hanarona ny volombavanareo ianareo, na hihinana ny mofon'ny olona! 23 Fa kosa ho eo an-dohanareo ny satrokareo, ary ny kapanareo ho eo an-tongotrareo; tsy hisaona ianareo na hitomany, fa ho ketraka amin'ireo helokareo ianareo, ary ny olona tsirairay dia hisento ho an'ny rahalahiny. 24 Koa ho famantarana ho anareo i Ezekiela, ary araka izay rehetra nataony no ho ataonareo rehefa tonga izany. Avy eo dia ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Yaveh!'" 25 "Fa ianao, ry zanak'olona, amin'ny andro izay hahazoako ny tempolin'izy ireo, izay hafalian'izy ireo, reharehan'izy ireo, sy izay hitan'izy ireo sy iriany—ary rehefa alaiko ireo zanany lahy sy vavy— 26 amin'izany andro izany, dia hisy mpitsoa-ponenana ho tonga eo aminao mba hanome anao ireo vaovao! 27 Amin'izany andro izany dia hisokatra amin'izany mpitsoa-ponenana izany ny vavanao ary hiteny ianao—tsy hangina intsony ianao. Ho famantarana ho azy ireo ianao mba ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh."
Yaveh miresaka amin'i Ezekiela.
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
DH: "tamin'ny taona fahasivy nanaovana sesitany an'i Joiakima mpanjaka.
"tamin'ny andro fahafolon'ny volana fahafolo." Ity dia volana fahafolo amin'ny tetiandro Hebreo.
Ny tafik'i Babylona dia aseho amin'ny mpitariny.
Ireo kolontsaina sasany dia manampy taolana ao amin'ny afo satria mirehitra ela kokoa noho ny kitay izany. DH: "apetraho ao ambanin'ny vilany mba ny sisa amin'ireo taolana mba hampirehitra ny afo"
Yaveh mampitaha an'i Jerosalema amin'ny vilany fandrahoana.
ilay menamena izay miforona eny amin'ny vy. Ny harafesina dia mihinana ny vy ary mamotika izany ny farany.
Yaveh dia tsy manome ity baiko ity amin'olona iray manokana, fa kosa mandidy olona sasany anaty sary an-tsaina izay tafiditra anatin'ny sariteny.
ny filokana dia fomba hisafidianana hoe iza no hena alaina, fa noho Yaveh te-haka ny didi-kena rehetra, dia tsy mila miloka.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny vahoakan'i Jerosalema.
Jerosalema no resahina eto, izay solon'ny vilany tena.
"napetrany teo ambony vatolampy ilay rà"
"handrakotra izany amin'ny vovoka"
Yaveh manohy mampitaha an'i Jerosalema amin'ny vilany.
Ity dia midika fa ao ambanin'ilay vilany ilay kitay, izay maneho an'i Jerosalema. "ho ataoko lehibe kokoa aza ny kitay ao amin'ny afo ao ambaninao"
Yaveh dia manome ireo baiko ireo amin'ny olona anaty sary an-tsaina izay tafiditra anatin'ilay sariteny.
"dory ireo taolana"
mandoro ny ivelan'ny zavatra iray.
may
DH: "lasa reraka i Jerosalema"
asa mafy
Yaveh manohy miresaka amin'i Jerosalema amin'ny fampitahana izany amin'ny vilany.
izay nataon'izy ireo dia manaporofo fa meloka amin'ny fahotana izy ireo
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Ity dia maneho ny vadin'i Ezekiela. Yaveh dia maneho an'i Ezekiela amin'ny ampahan'ny vatany izay ampiasainy hijerena ny vadiny.
Ireo fehezanteny ireo dia manana dika mitovy ary manamafy fa Ezekiela dia tsy tokony hitomany ny amin'ny vadiny maty. DH: "tsy tokony haneho ny alahelonao ianao."
saron-doha vita amin'ny akanjo lava fonosina manodidina ny loha.
kiraro atao amin'ny tongotra misy tady manodidina ny lohalika.
Any Israely, ny olona dia manaratra ny volombavany mba hanehoana alahelo, avy eo dia manarona ny tavan'izy ireo mandra-panirin'ny volom-bavany indray. Yaveh dia niteny an'i Ezekiela mba tsy hanarona ny volom-bavany mba hampisehoana fa tsy nanaratra ny tavany mba hanehoana ny alahelony izy.
Manontany an'i Ezekiela ny vahoakan'Israely ary Ezekiela milaza azy ireo izay nolazain'i Yaveh azy ireo.
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
DH: "ny rehareha amin'ny trano be izay nataonareo"
DH: "ny trano be izay sitrakao ny mijery azy"
DH: "maty any an'ady"
Eto ny hoe foana sy maty dia resahina toy ny hoe ketraka.
Ity dia midika fa Andriamanitra dia tsy hamela ny fahotan'ireo olona ireo. Na izany aza, ny dikateny vaovao sasany dia mandika hoe "nohon'ny helokareo."
feo ataon'ny olona mila fanampiana, fa mafy loatra ny fanaintainana sy alahelo hany ka tsy mahavita miteny izy ireo.
olona izay noterena hiala amin'ny firenen'izy ireo nohon'ny ady na loza hafa.
"hanokatra ny vavanao Yaveh" Ity dia mamaritra olona nomena fahatakarana sy fahaizana hiteny momban'ny zavatra iray. DH: "ho fantatrao izay lazaina"
Ireo dia samy midika fa hiresaka ny vahoakan'Israely.
Ity dia maneho ny vahoakan'Israely tahaka ny famantarana satria hanampy an'ireo mpitsoa-ponenana hahatakata ny antony naharava an'i Jerosalema izy ireo.
1 Ary tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe 2 : "Ry zanak'olona, atodiho amin'ny vahoaka Amonita ny tavanao ary maminania manohitra azy ireo. 3 Lazao amin'ny vahoaka Amonita hoe: 'Henoy ny tenin'ny Tompo Yaveh. Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Satria ianao niteny hoe: "Hià!" teo amin'ny fitoerako masina raha nozimbazimbaina izany, ary nanohitra ny tanin'Israely raha lao izany, ary nanohitra ny ankohonan'i Joda raha lasa sesin-tany izy ireo, 4 noho izany, indro, omeko ho an'ny vahoaka any atsinanana ho fananan'izy ireo ianao. Hanorina toby hanohitra anao izy ireo ary hanorina ny lain'izy ireo eo aminao. Hohanin'izy ireo ny vokatrao ary ho sotroiny ny ronononao. 5 Hataoko fihinanam-bilon'ny rameva i Raba ary ny vahoaka Amonita ho sahan'ny ondry aman'osy. Ary dia ho fantatrao fa Izaho no Yaveh. 6 Fa ny Tompo Yaveh milaza izao: "Nitehatehan-tanana sy nigado-tongotra ianao, ary niravoravo tamin'ny fanamavoana rehetra teo aminao hanoherana ny tanin'Israely. 7 Noho izany, indro! Hamely anao amin'ny tanako Aho ary hanolotra anao ho babon'ireo firenena. Ho fongorako tsy ho eo amin'ny vahoaka ianao ary haringako tsy ho eo amin'ireo firenena! Ho ravaiko ianao, dia ho fantatrao fa Izaho no Yaveh.' 8 Ny Tompo Yaveh milaza izao: 'Satria Moaba sy Seira niteny hoe: "Indro! Ny ankohonan'i Joda dia toy ny firenena hafa rehetra." 9 Noho izany, indro! Ho sokafako ny fefin'i Moaba, manomboka eo amin'ireo tanànany eo amin'ny fari-tany—ny hatsaran'i Beti-jesimota, Bala-meona, ary Kiriataima— 10 mankany amin'ny vahoaka avy any atsinanana izay nanohitra ny vahoaka Amonita. Hafoiko ho toy ny fananana izy ireo mba tsy ho tadidy eo amin'ireo firenena ny vahoaka Amonita. 11 Koa hanao fitsarana manohitra an'i Moaba Aho, ary ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh.' 12 Ny Tompo Yaveh milaza izao: 'Edoma dia namaly faty nanohitra ny ankohonan'i Joda ary nanao ratsy tamin'ny nanaovana izany. 13 Noho izany, ny Tompo Yaveh milaza hoe: Hamely an'i Edoma amin'ny tanako Aho ary handringana ny olona rehetra sy ny biby ao. Hataoko toerana rava, nafoy, hatrany Temana ka hatrany Dedana ireo. Ho lavon-tsabatra izy ireo. 14 Hataoko eo amin'i Edoma ny valifatiko amin'ny alalan'ny tanan'Israely vahoakako, ary ho ataon'izy ireo amin'i Edoma araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary ho fantatr'izy ireo ny valifatiko—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.' 15 Ny Tompo Yaveh milaza izao: 'Ireo Filistina dia namaly faty tamin'ny lolom-po ary tao anatin'izy ireo dia niezaka nandrava an'i Joda foana. 16 Koa izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Indro! Haninjitra ny tanako eo amin'ireo Filistina Aho, ary ho fongorako ny Keretita ary ho ravaiko izay sisa tavela eny amoron-dranomasina. 17 Fa hanao famaliana lehibe hanohitra azy ireo Aho amin'ny fahaviniran'ny asa fanasaziana, mba ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh, rehefa mamaly faty azy ireo Aho."'
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 4:1.
"ireo taranaka Amonita" na "ireo izay nipetraka tany amin'ny tany Amonita"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 4:6.
Yaveh milaza an'i Ezekiela izay lazaina amin'ireo vahoaka Amonita.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 25:3.
"Henoy ity hafatra avy amin'ny Tompo Yaveh ity"
Ny teny hoe "Hia" dia feo ataon'ny olona rehefa faly momban'ny zavatra iray izy ireo. Amin'ity tranga ity dia faly ny vahoaka satria nisy zavatra ratsy nitranga tamin'Israely sy Joda. DH: "nihomehy ianao" na "nitehaka"
"teo amin'ny fitoerako masina raha nanimbazimba izany ny fahavalo." DH: "raha nandoto ny tempoliko ny tafika fahavalo"
DH: "raha rava ny tanin'Israely"
DH: "rehefa nitondra ny vahoakan'i Joda ho andevo izy ireo"
DH: "jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
"hahatonga tafika avy any amin'ny tany izay atsinananao Aho mba ho avy sy haka anao"
"hanorina lay izy ireo ary hipetraka ao amin'ny firenenao"
Eto ny hoe "vahoaka Amonita" dia maneho ny tany izay an'ny vahoaka Amonita. DH: "ho ataoko sahan'ny ondry aman'osy ny sisan'ny tanin'ny Amonita."
DH: "tamin'ny fankahalana rehetra tsapanao amin'ny olona izay mipetraka any Israely"
DH: "jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
DH: "hamely anao amin'ny tanako mahery Aho" na "hanasazy anao Aho"
DH: "ary hahatonga ireo firenena ho avy sy haka ny zavatra rehetra hiala aminao Aho"
Ireo fehezanteny ireo dia mitovy hevitra ary manamafy fa Yaveh dia handrava tanteraka ny vahoaka Amonita mba tsy ho firenena intsony izy ireo. DH: "ho potehiko tanteraka ianao mba tsy ho firenena intsony"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
DH: "jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
DH: "Ho sokafako ny lalana mankany Moaba amin'ny fandravana an'ireo tanàna eo amin'ny fari-tanin'izany"
DH: "ho atomboko eo amin'ireo tanàna lehiben'i Beti-jesimota, Bala-meona, ary Kiriataima."
DH: "io tafika avy any amin'ireo firenena any atsinanana izay nanafika an'ireo Amonita io ihany no ho alefako"
DH: "hataoko mandresy an'ireo Amonita ireo tafika mba tsy hisy na iray aza hahatsiaro azy ireo."
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
Jereo ny fomba nandikanao fehezanteny mitovy amin'ny hoe "hamely anao amin'ny tanako Aho" ao amin'ny 25:6.
Ireo dia tanàna roa any amin'ny faran'ny sisiny roan'i Edoma. Ity dia midika fa Andriamanitra dia handrava an'i Edoma rehetra.
Ny teny hoe "lavo" dia maneho ny fahafatesana ary ny hoe "sabatra" dia maneho ny ady. DH: "hamono azy ireo amin'ny sabatr'izy ireo ny fahavalon'izy ireo"
DH: "hampiasa an'Israely vahoakako Aho mba hamaly faty amin'ny vahoakan'i Edoma"
DH: "ho asehon'izy ireo an'i Edoma ny fahatezerako sy ny fahavinirako" na "izy ireo dia hanasazy an'i Edoma araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako amin'ny vahoakan'i Edoma"
Ny teny hoe "fahatezerana" dia mitovy dika amin'ny hoe "fahavinirako" ary manamafy ny teny hoe "hatezerana." DH: "ny hatezerako tafahoatra"
DH: "ho fantatry ny vahoakan'i Edoma fa namaly faty azy ireo Aho"
DH: "izany no ambaran'ny Tompo Yaveh" na "izany no lazain'ny Tompo Yaveh fa hitranga"
DH: "satria ireo Filistina dia nankahala ny vahoaka any Joda ary niezaka ny hamaly faty azy ireo foana"
DH: "jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
DH: "haviliko manohitra an'ireo Filistina ny tanako mahery" na "haviliko manohitra an'ireo Filistina ny heriko lehibe"
DH: "Ho ravaiko" na "ho foanako" (UDB)
DH: "ny vahoakan'i Kereta." Ity dia vahoaka izay nipetraka tany Filistia.
Jereo ny fomba nandikanao fehezanteny mitovy hoe "ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh" tao amin'ny 6:6.
1 Ary tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo, tamin'ny andro voalohan'ny volana, dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Ry zanak'olona, satria Tyro niteny nanohitra an'i Jerosalema hoe: 'Hia! Potika ireo vavahadin'ny olona! Niala tamiko izy; dia ho feno Aho satria rava izy.' 3 Noho izany ny Tompo Yaveh milaza izao: 'Indro! Manohitra anao Aho, ry Tyro, ary hanangana firenena maro hanohitra anao Aho toy ny ranomasina manainga ireo onjany. 4 Handrava ireo mandan'i Tyro izy ireo ary handrodana ireo tilikambony. Ho fafako hiala ireo vovony ary hanao azy toy ny vatolampy mangadihady Aho. 5 Ho tonga toerana fanahazana harato eo afovoan'ny ranomasina izy, fa Izaho no nanambara izany—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—ary ho lasa babo ho an'ireo firenena izy. 6 Ireo zanany vavy izay any an-tsaha dia ho vonoina amin'ny sabatra, ary ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh.' 7 Fa izao no lazain'i Yaveh: Indro, avy any avaratra no hitondrako an'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, mpanjakan'ny mpanjaka, hanohitra an'i Tyro, miaraka amin'ireo soavaly sy ireo kalesy, ary miaraka amin'ny mpitaingin-tsoavaly sy vahoaka maro be. 8 Hamono ireo zanakao vavy any an-tsaha izy. Hanangana tovon-tany sy hamboatra fiakarana eo amin'ireo mandanao ary hanangana ampinga hanohitra anao izy. 9 Hapetrany hamely ireo mandanao ireo andry vy fandrodanany, ary ireo fitaovany no handrodana ireo tilikambonao. 10 Ho maro tokoa ireo soavaliny ka handrakotra anao ny vovony. Ireo mandanao dia hihozongozona amin'ny feon'ny mpitaingin-tsoavaly, kodia, ary kalesy. Rehefa miditra ireo vavahadinao izy, dia hiditra toy ny olona izay tonga ao amin'ny tanàna izay efa noravaina ireo mandany. 11 Ireo kitron-tsoavaliny dia hanitsakitsaka ireo lalanao rehetra. Ho vonoiny amin'ny sabatra ireo olonao ary ireo andry vato mafinao dia hianjera amin'ny tany. 12 Ho baboin'izy ireo ny harenao ary ho robainy ireo entam-barotrao. Harodany ireo mandanao ary ho ravainy ireo lapa soanao. Ireo vatonao, hazonao, ary ny vovoka dia ho arian'izy ireo any amin'ireo rano. 13 Hatsahatro ny feon'ny hiranao. Tsy ho re intsony ny feon-dokanganao. 14 Hataoko vatolampy mangadihady ianao, ho tonga toerana fanahazana harato ianao. Tsy hatsangana intsony ianao, fa Izaho, Tompo Yaveh no efa niteny—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 15 Nilaza izao tamin'i Tyro ny Tompo Yaveh: 'Tsy hihorohoro ve ireo nosy amin'ny feon'ny faharavanao, sy amin'ny fisenton'ireo maratra raha eo afovoanao ny famonoana mahatsiravina? 16 Ary ireo andriandahin'ny ranomasina rehetra dia hiala amin'ireo seza fiandrianany ary hanala ny akanjon'izy ireo ka hamela ireo akanjo misy peta-kofehin'izy ireo. Hanafy ny tenan'izy ireo amin'ny fangovitana izy ireo, hipetraka eo amin'ny tany ary hangovitra isaky ny mihetsika, ary ho tohana nohon'ny aminao izy ireo. 17 Hanandratra fitomaniana ho anao izy ireo ary hiteny aminao hoe: Amin'ny fomba ahoana, ianao izay nonenan'ireo tantsambo, no naharava anao. Ilay tanàna malaza izay tena natanjaka—lasa any an-dranomasina izany ankehitriny. Ireo izay nitoetra tao aminy fahiny dia manaparitaka horohoro momba azy ireo amin'izay rehetra nipetraka teo akaikin'izy ireo. 18 Ankehitriny ireo moron-tsiraka dia mangovitra amin'ny andro faharavanao. Ireo nosy any an-dranomasina dia mihorohoro, satria maty ianao.' 19 Fa ny Tompo Yaveh milaza izao: Rehefa hataoko tanàna lao ianao, toy ireo tanàna hafa izay tsy misy mipetraka, rehefa manangana ny lalina hanohitra anao Aho, ka rehefa mandrakotra anao ny rano be, 20 dia ho entiko midina amin'ireo vahoaka taloha ianao, toy ireo hafa izay nidina tany an-davaka; fa hataoko mitoetra any amin'ireo faritra farany ambanin'ny tany ianao tahaka ny rava tamin'ireo fotoana taloha. Noho izany dia tsy hiverina intsony ianao ary tsy hitsangana eo amin'ny tanin'ny velona. [1]21 Hataoko eo aminao ny loza, ary tsy hisy intsony ianao mandrakizay. Dia ho tadiavina ianao, fa tsy ho hita intsony—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh."
DH: "tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanaovana sesitany an'i Joiakima mpanjaka"
Tsy mazava tsara hoe volana inona amin'ny tetiandro Hebreo no tian'i Ezekiela lazaina.
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
DH: "ny vahoakan'i Tyro niteny nanohitra ny vahoakan'i Jerosalema."
DH: "Eny!" na "tena tsara!"
Mampiasa ireo teny ireo ny vahoakan'i Tyro mba hanehoana an'i Jerosalema ho toy ny hoe vavahadin'ny tanàna izay handalovan'ireo mpivarotra avy any amin'ireo firenena manodidina izany. DH: "nopetehin'ireo tafika ny vavahadin'ny olona" na "noravain'ireo tafika i Jerosalema, izay toy ny vavahady handalovan'ny olona avy any amin'ny firenena maro"
Eto ny teny hoe "izy" dia maneho ny teny hoe "vavahady" izay niala tamin'ireo hidiny mba hisokatra amin'i Tyro. Ity fehezanteny ity dia midika fa ankehitriny Tyro dia nanolo an'i Jerosalema ho tanàna izay andalovan'ireo mpivarotra avy any amin'ny firenena maro. DH: "nisokatra tamiko ny vavahady"
Eto ny hoe "feno" dia midika hoe manan-karena. DH: "Hanan-karena Aho"
"rava Jerosalema"
DH: "jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
Eto ny teny hoe "firenena" dia maneho ny tafik'izy ireo. DH: "hanangona tafika avy any amin'ireo firenena izay lehibe sy mahery Aho toy ny onja eny amin'ny ranomasina misamboaravoara"
Ny tilikambo dia trano lehibe avo nampiasaina hijerena ireo fahavalo na hiafenana.
DH: "ho ravaiko tanteraka ilay tanàna, ary tsy hamela na inona na inona eo izy ireo mba ho toy ny vatolampy tsy misy na inona na inona izany."
DH: "Tyro dia ho tonga" na "izany dia ho tonga"
Ny ampahan'i tyro dia nosy. DH: "nosy foana ampiasaina hanamainana harato" na "nosy foana izay hanamainan'ny olona ny haraton'izy ireo"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
zavatra izay nangalarin'ny olona.
DH: "ho angalarin'ny tafika avy any amin'ireo firenena amin'i Tyro ny zavatra rehetra"
DH: "ireo tafika fahavalo dia hamono ny zanak'izy ireo vavy izay eny an-tsaha"
Ny zana-bohitra indraindray dia nantsoiina hoe ireo zanaka vavin'ireo tanàna izay nanapaka teo amin'izy ireo. Ireo mety ho heviny dia 1) ireo zana-bohitra kely ao amin'izany tany izay anapahan'i Tyro izany, na 2) ireo tovovavin'i Tyro izay miasa eny an-tsaha.
Jereo ny fomba nandikanao fehezanteny mitovy hoe "ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh" tao amin'ny 6:6.
DH: "jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
Andriamanitra dia mampiasa an'i Nebokadnezara mba hitondra ny sitrapony.
"mpanjaka mahery indrindra"
Ity dia manamafy ny habetsaky ny tafik'i Nebokadnezara.
Eto ny teny hoe "izy" dia maneho an'i Nebokadnezara ary sariteny ho an'ny tafiny. DH: "hamono ireo zanakao vavy ny tafiny"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
hapetrak'i Nebokadnezara, ilay mpanjakan'i Babylona.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 4:1.
"ireo fitaovam-piadiany"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
"hihorohoro ireo nosy ... famonoana mahatsiravina"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
Ny teny hoe "ianao" dia maneho ny tanànan'i Tyro.
1 Tonga tamiko indray ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Ary ianao, ry zanak'olona, manomboha hira fisaonana mahakasika an'i Tyro, 3 ary lazao amin'i Tyro, izay monina anatin'ireo vavahadin'ny ranomasina, mpandranto ho an'ny vahoaka any amin'ny nosy maro, ny Tompo Yaveh milaza izao aminao: Ry Tyro, efa nilaza ianao hoe: 'Izaho dia tanteraka amin'ny hatsaran-tarehy.' 4 Ny fari-taninao dia eny amin'ny fon'ny ranomasina; ireo mpanorina anao efa nahatonga lafatra ny hatsaranao. 5 Nataon'izy ireo tamin'ny kipreso avy tany amin'ny tendrombohitra Hermona ny hazo fisakao rehetra; naka sedera avy tany Libanona izy ireo hanaovana andrin-tsambo ho anao. 6 Ny fivoinao dia nataon'izy ireo tamin'ny hazo terebintan'i Basana; hazo kipreso avy any Kipra no nanaovan'izy ireo ny tokotanin-tsambonao, sady nopetahany ivoara ireo. 7 Niloko rongony fotsy avy any Egypta izay tahaka ireo fanevanao ny lainao! 8 Ireo izay nonina tany Sidona sy Arvada no mpivoinao; ireo olon-kendrin'i Tyro no ao anatinao; izy ireo no mpitondra anao. 9 Mpanao asa tanana matihanina indrindra avy any Byblosy no ho mpanentsi-tsambonao; ireo sambo rehetra an-dranomasina sy ireo tantsambony eo aminao dia nitondra ny entam-barotrao ho amin'ny takalo. 10 Persia, Lydia, ary Libya dia tao amin'ny tafikao, lehilahy mpiadinao. Nanantona ampinga sy aroloha tao aminao izy ireo; nampiseho ny famirapiratanao izy ireo. 11 Ireo lehilahin'i Arvada sy Heleka tao amin'ny tafikao no teo amin'ny rindrinao manodidina anao, ary ny vahoakan'i Gamada no tao amin'ireo tilikambonao. Nanantona ny ampingan'izy ireo teo amin'ny rindrinao nanodidina anao izy ireo! Nameno ny hatsaranao izy ireny. 12 Tarsisy dia namana mpandranto niaraka taminao nohon'ny habetsaky ny harenao hamidy: volafotsy, vy, fanitso, sy firaka. Nividy sy namarotra ny entanao izy ireo! 13 Javana, Tobala, sy Meseka—nanakalo andevo sy fitaovana vita amin'ny varahina izy ireo. Nihazona ny entam-barotrao izy ireo. 14 Bet-togarma no namatsy soavaly, soavaly fitaingina, ary ampondra ho entam-barotrao. 15 Ireo lehilahin'i Dedana no mpandrantonao eran'ny morontsiraka maro. Entam-barotra no teo an-tananao; namerina tandroka, ivoara, ary hazomainty izy ireo ho fanatitra! 16 Syria no mpandranto teo amin'ny vokatrao maro; namatsy emeralda, volomparasy, lamba miloko, lamba madinika, perla, ary vatosoa ho entam-barotrao izy ireo. 17 Joda sy ny tanin'Israely dia nanakalo niaraka taminao. Namatsy vary avy tany Minita izy ireo, mofomamy, tantely, diloilo, ary balsama ho entam-barotrao. 18 Damaskosy dia mpandranto ireo vokatrao rehetra, ireo harenao lehibe rehetra, ary ny divain'i Helbona sy ny volon'ondry fotsin'i Zahara. 19 Dana sy Javana avy any Ozala namatsy anao entam-barotra vy voatefy, kanelina, ary veromanitra. Izany dia tonga entam-barotra ho anao. 20 Dedana dia mpandrantonao amin'ny lamba fanao lamban-tsoavaly. 21 Arabia sy ireo mpifehin'i Kedara rehetra no mpandranto niaraka taminao; namatsy anao zanak'ondry, ondry lahy sy osy izy ireo. 22 Ireo mpandranton'i Seba sy Rama dia tonga mba hivarotra aminao ny zavamanitra tsara indrindra rehetra sy karazam-batosoa sarobidy; namarotra volamena ho an'ny entam-barotrao izy ireo. 23 Harana, Kane, ary Edena no mpanakalo niaraka taminao, niaraka tamin'i Seba, Asora, sy Kilmada. 24 Ireo avy no mpandrantonao nitafy akanjo vita amin'ny lamba volom-parasy marevaka, sy lamba firakotra miloko samihafa, natao petakofehy, ary lamba tsara tenona tao amin'ireo tsenanao. 25 Ireo sambon'i Tarsisy no mpitatitra ny entam-barotrao! Ka dia feno ianao, enta-mavesatra eny amin'ny afovoan'ny ranomasina! 26 Nentin'ireo mpivoinao tany amin'ireo ranomasina midadasika ianao; ny tsio-drivotra tatsinanana no namotika anao tany afovoan'ireny. 27 Ny harenao, entam-barotra, sy fitaovana atakalo; ireo tantsambo sy ireo mpitondra sambonao, sy ireo mpiasa an-tsambo; ireo mpandranto ny entam-barotrao sy ireo lehilahy mpiadinao rehetra izay ao aminao, sy ny tarikao rehetra—hilentika any amin'ny lalin'ny ranomasina izy ireny amin'ny andron'ny faharavanao. 28 Hangovitra amin'ny feon-tomanin'ireo mpitondra sambonao ireo tanàna ao an-dranomasina; 29 Ireo rehetra mihazona fivoy dia hidina avy eny amin'ny sambon'izy ireo; hijoro eny an-tany ireo tantsambo sy ireo mpitondra sambo rehetra eny amin'ny ranomasina. 30 Avy eo hampihaino anao ny feony izy ireo ka hidradradradra mafy; hanangom-bovoka eo an-dohany izy ireo. Hihodikodina eo amin'ny lavenona izy ireo. 31 Hanaratra ny lohany ho sola ho anao izy ireo ka hamehy ny tenany amin'ny lamba fisaonana, ary hitomany mafy eo aminao izy ireo ary hihiaka mafy. 32 Hanandratra ny dradradradram-pitarainany ho anao sy hihira fisaonana eo aminao izy ireo, iza no mitovy amin'i Tyro, izay efa nentina ho amin'ny fahanginana eny afovoan-dranomasina ankehitriny? 33 Rehefa nandeha teny an-tanety avy tany an-dranomasina ny entam-barotrao, dia nahafapo olona maro izany; nampanakarena ireo mpanjakan'ny tany amin'ny haben'ny harenao sy ny entam-barotrao ianao! 34 Saingy rehefa notorotoroin'ny ranomasina, sy ny rano lalina ianao, dia nilentika ny entam-barotrao sy ireo tantsambonao rehetra! 35 Rikoriko taminao ireo mponin'ny morontsiraka rehetra, ary tora-kovitry ny horohoro ireo mpanjakany! Nangovitra ny tavan'izy ireo! 36 Misioka anao ireo mpandranton'ny vahoaka; lasa horohoro ianao, ary tsy ho mandrakizay intsony."
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
"izay mipetraka ao amin'ireo vavahadin'ny ranomasina." Ity fehezanteny ity dia midika hoe 1) "izay mipetraka eo amin'ny seranan-tsambon'ny ranomasina" na 2) "izay manapaka amin'ny seranan-tsambon'ny ranomasina."
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
"ny sisi-tanin'ny fanjakanao"
bao lehibe amin'ny sambo izay mihazona ny lain-tsambo
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
hazo lava izay ampiasain'ny olona hampietsehana ny sambo.
ny faritra eo amin'ny sambo izay ahafahan'ny olona mandeha
fitaovana fotsy, tsara, ary mafy izay vita amin'ny nifin'ny biby
sombin-damba lehibe izay mampihetsika ny sambo rehefa tsofin'ny rivotra ireo
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
olona mifehy izay alehan'ny sambo
"manamboatra izay vaky" na "manamboatra izay mitete"
olona izay miantsambo an-dranomasina
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
"lehilahy izay niady tamin'ny adinao" na "nanompo toy ny mpiadinao"
"nomen'izy ireo anao ny famirapiratanao!"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
metaly mafy izay tsara hanaovana fitaovam-piadiana sy hanamboarana zavatra
metaly izay tavela aorian'ny fanadiovana volamena, volafotsy na vy
metaly sarobidy izay tena mavesatra sy malefaka noho ireo metaly hafa
firenena any amoron-dranomasina andrefan'i Asia kely. Fantatra tamin'ny hoe lonia ihany koa izany.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
soavaly lahy matanjaka
DH: "nanana entana ianao"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
"akanjo volomparasy" na "kofehy volomparasy"
sombina fitaovana tsara tarehy fotsy mafy izay avy amin'ny zava-manan'aina any an-dranomasina.
Ny dikan'ny teny Hebreo adika eto hoe "mofomamy" dia tsy mazava. Ny dikateny sasany vaovao dia mandika izany hoe "balsama" na "sakafo tsara vita amin'ny vary"
vato mena izay tena sarobidy
ditin-kazo manitra izay avy amin'ny hazo
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
karazana zava-manitra avy amin'ny hodi-kazo. Anarana hafa ho an'ity zava-manitra ity ny "Kasia."
karazana ahitra izay ampiasain'ny olona toy ny ranomanitra sy atao fanafody
sombin'akanjo izay apetraky ny olona ambanin'ny lasely
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
"vato sarobidy"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
"akanjo volomparasy misy loko maro samihafa"
"lamba firakotra miloko maro samihafa izay misy endriny ary tsara kalitao"
"eny afovoan'ny lalana fivarotana rehetra ho an'ny varotra an-dranomasina"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
"ny olona izay mamoy anao dia nitondra anao lavitra any an-dranomasina"
"teo afovoan'ny ranomasina"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
"hihiakiaka amin'ny alahelo lehibe"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
"hanaratra ny lohan'izy ireo mba tsy hisy volo izy ireo"
DH: "tsy misy tanàna hafa mitovy amin'i Tyro"
DH: "izay rava"
"teny amin'ny tany"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Tyro.
"tafintohina sy natahotra tamin'izay nitranga taminao"
"misioka amin'ny alahelo ho anao." Ny misioka dia fomba hanehoana alahelo.
"lasa mampatahotra ny olona ny mireritreritra momba anao"
1 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Ry zanak'olona, lazao amin'ny mpanapak'i Tyro hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Miavonavona ny fonao! Hoy ianao hoe: "andriamanitra aho! Hipetraka eo amin'ny sezan'ireo andriamanitra eo afovoan'ny ranomasina aho!" Na dia olona aza ianao fa tsy andriamanitra, dia manao ny fonao ho tahaka ny fon'ny andriamanitra ianao; 3 mihevitra ianao fa hendry noho Daniela, ary tsy misy tsiambaratelo mampitolagaga anao! 4 Nampanan-karena ny tenanao tamin'ny fahendrena sy fahaiza-manao ianao, ary nahazo volamena sy volafotsy tao amin'ireo fitehirizan-drakitrao! 5 Tamin'ny fahendrena sy tamin'ny varotrao, dia nampitombo ny harenao ianao, ka miavonavona ny fonao noho ireo harenao. 6 Noho izany, ny Tompo Yaveh milaza izao: "Satria nanao ny fonao ho tahaka ny fon'ny andriamanitra ianao, 7 dia hitondra vahiny hanohitra anao Aho, lehilahy mampihorohoro avy amin'ireo firenena hafa. Hitondra ireo sabany hamely ny hatsaran'ny fahendrenao izy ireo, ary tsy hanamasina ny famirapiratanao. 8 Handefa anao hidina any amin'ny lavaka izy ireo, ary ho faty amin'ny fahafatesan'ireo izay maty any afovoan'ny ranomasina ianao. 9 Moa ve hiteny marina ianao hoe: "andriamanitra aho" amin'ny tavan'ireo izay mamono anao? Olona ianao fa tsy Andriamanitra, ary ho eo an-tanan'izay mandefona anao ianao. 10 Ho faty tahaka ny fahafatesan'ny tsy voafora amin'ny alalan'ny tanan'ireo vahiny ianao, fa nanambara izany Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.'" 11 Tonga tamiko indray ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 12 "Ry zanak'olona, manandrata hira fisaonana ho an'ny mpanjakan'i Tyro ary lazao aminy hoe: 'Ny Tompo Yaveh miteny izao: ianao no modelin'ny fahatanterahana, feno fahendrena ary lafatra amin'ny hatsaran-tarehy. 13 Tao Edena, ilay sahan' Andriamanitra ianao. Mandrakotra anao ireo vato sarobidy rehetra: robina, topazy, emeralda, krysolita, onyksa, jaspy, safira, karneola, ary ny beryla. Vita amin'ny volamena ireo toeranao sy ireo tendrombohitrao. Tamin'ny andro namoronana anao no efa nanomanana izany. 14 Nametraka anao teo ambonin'ny tendrombohitra masin'Andriamanitra tahaka ilay Kerobima voahosotro hiambina ny olombelona Aho. Teo afovoan'ireo vato mirehitra izay handehananao ianao. 15 Nanana tsy fivadihana tamin'ireo lalanao ianao nanomboka tamin'ny andro izay namoronana anao ka hatramin'ny nahitana ny tsy rariny tao aminao. 16 Tamin'ny alalan'ireo varotra lehibe dia lasa feno herisetra ianao, ary noho izany dia nanota ianao. Ka nariako hiala amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao, tahaka ny iray izay voaloto, ary noravaiko ianao, ry mpiandry kerobima, ary nentiko avy teo amin'ireo vato mirehitra ianao. 17 Niavonavona ny fonao niaraka tamin'ny hatsaranao; nanimba ny fahendrenao ianao nohon'ny famirapiratanao. Nandefa anao hidina amin'ny tany Aho. Nametraka anao ho eo alohan'ireo mpanjaka Aho mba hahafahan'izy ireo mahita anao. 18 Noho ireo fahotanao maro be sy ireo raharahanao tsy marina, dia nandoto ireo fitoeranao masina ianao. Ka nampivoaka afo avy aminao Aho; handevona anao izany. Hamadika anao ho lavenona eo imason'ireo rehetra izay mijery anao Aho. 19 Ireo rehetra izay nahafantatra anao teo amin'ny vahoaka dia hangovitra aminao; hihorohoro izy ireo, ary tsy ho mandrakizay intsony ianao.'" 20 Ary tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 21 "Ry zanak'olona, atodiho any amin'i Sidona ny tavanao ary maminania manohitra azy. 22 Mitenena hoe: "Ny Tompo Yaveh miteny izao: Indro! Manohitra anao Aho, ry Sidona! Fa homem-boninahitra eo afovoanao Aho ka ho fantatry ny vahoakanao fa Izaho no Yaveh rehefa manatanteraka ny fitsarana aminao Aho. Haseho ho masina eo aminao Aho. 23 Hampivoaka areti-mandringana aminao sy rà eny amin'ireo lalanao Aho, ary ny faty dia hianjera eo afovoanao. Rehefa ho avy hanohitra anao avy any amin'ny manodidina rehetra ny sabatra, dia ho fantatrao fa Izaho no Yaveh. 24 Dia tsy hisy roy mampahory sy tsilo mampanaintaina ho an'ny taranak'Israely intsony avy amin'ireo rehetra izay manodidina azy ka manao tsinontsinona ny vahoakany, ka dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Tompo Yaveh!' 25 Hoy ny Tompo Yaveh hoe: 'Rehefa manangona ny taranak'Israely avy amin'ny vahoaka tamin'izay nampielezana azy ireo Aho, ary rehefa voatokana eo amin'izy ireo Aho, mba hahafahan'ireo firenena mahita, dia hanao ireo fonenan'izy ireo ao amin'ny tany izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy ireo. 26 Dia hiaina am-pilaminana ao aminy izy ireo ary hanangana trano, hanao ireo tanim-boaloboka, ary hiaina am-pilaminana rehefa manatanteraka fitsarana amin'ireo rehetra izay avy amin'ny manodidina nanao tsinontsinona azy ireo; ka ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh Andriamanitr'izy ireo!'"
"Niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 27:4.
"ianao dia mieritreritra fa manana ny fisainan'ny andriamanitra"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny mpanapak'i Tyro.
"tamin'ny fahendrenao sy fahatakaranao"
"ary nitahiry"
toerana hitehirizana zavatra sarobidy sy hihazonana azy ireo ho azo antoka
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny mpanapak'i Tyro.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "manao ny fonao ho tahaka ny fon'ny andriamanitra" ao amin'ny 28:1.
DH: "ny tanàna tsara izay nahorinao tamin'ny fahendrenao."
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny mpanapak'i Tyro.
DH: "tsy tokony ho sahy hiteny ianao hoe: 'andriamanitra aho''
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1
"mihirà hira fandevenana" na "mihirà hira fisaonana" na "mihirà hira mampalahelo" (UDB)
Fandikana hafa: "tonga lafatra ianao"
"tena hendry sy tsara tarehy"
"miravaka ny karazana vato sarobidy rehetra ianao." Ity dia maneho fa tena nanan-karena ilay mpanjaka.
Ireo no vato sarobidy rehetra amin'ny lokony samihafa.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny mpanjakan'i Tyro.
Ity dia mety maneho an'ireo vato miloko sy mamiratra voatonona tao amin'ny 28:11.
DH: "hatramin'ny andro izay namoronako anao."
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny mpanjakan'i Tyro.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 28:14.
"eo anoloan'ireo"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny mpanjakan'i Tyro.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "lasa horohoro ianao, ary tsy hisy intsony" tao amin'ny 27:34.
"Niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 4:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 4:6.
DH: "jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Sidona.
DH: "tsy hisy olona na aiza na aiza manodidina ny vahoakan'Israely izay mandratra azy ireo tahaka ny tsilo izay mampangidihidy sy mandratra azy ireo toy ny tsilo izay mahatonga fanaintainana sy izay mandà ny hampiseho fanajana azy ireo."
"ao amin'ilay tany"
1 Tamin'ny taona fahafolo, tamin'ny volana fahafolo tamin'ny andro faharoa ambin'ny folon'ny volana, dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Ry zanak'olona, ampifanatreo amin'i Farao, ilay mpanjakan'i Egypya ny tavanao; maminania manohitra azy sy manohitra an'i Egypta rehetra. 3 Ambarao ary lazao hoe: 'Izao no ambaran'ny Tompo Yaveh: Indro! Manohitra anao Aho, ry Farao, mpanjakan'i Egypta. Ianao, ilay biby masiaka lehibe izay miafina eo afovoan'ny renirano, izay manao hoe: "Ahy ny reniranoko. Nataoko ho an'ny tenako izany." 4 Hasiako farango ny valanoranonao, ary ny hazandranon'ny Neily dia hamikitra amin'ny kiranao; hampiakariko avy eo afovoan'ny reniranonao miaraka amin'ny hazandranon'ny reniranonao izay mamikitra amin'ny kiranao ianao. 5 Hatsipiko any an'efitra ianao, ianao sy ny hazandrano rehetra avy ao amin'ny reniranonao. Hianjera ao amin'ny saha ianao; tsy ho hangonina ianao na hampiakarina. Homeko ho sakafo ho an'ireo zava-manan'ain'ny tany sy ho an'ireo voron'ny lanitra ianao. 6 Avy eo ny mponin'i Egypta rehetra hahafantatra fa Izaho no Yaveh, satria efa tahona volotara ho an'ny ankohonan'Israely izy ireo. 7 Rehefa nandray anao teny an-tanany izy ireo, dia tapaka ianao ary nosokafanao ny sorok'izy ireo; ary rehefa niantehitra taminao izy ireo, dia tapaka ianao, ary nampihozohozo ny tongotr'izy ireo ianao. 8 Noho izany dia izao no ambaran'ny Tompo Yaveh: Indro! Hitondra sabatra hamely anao Aho. Hanapaka ny olona sy ny bibidia eo aminao Aho. 9 Koa ho lao sy rava ny tanin'i Egypta. Avy eo dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh, satria ilay dragona lehibe niteny hoe: "Ahy ny renirano, satria izaho no nanao izany." 10 Noho izany, indro! Manohitra anao sy ny reniranonao Aho, koa hataoko rava sy foana ny tanin'i Egypta, ary ho tany foana avy any Migdola ka hatrany Syena ary hatramin'ny sisin'i Kosy ianao. 11 Tsy hisy tongotr'olona handeha amin'izany, ary tsy hisy tongotra bibidia handeha amin'izany. Tsy hisy mponina mandritry ny efa-polo taona izany. 12 Fa ho ataoko rava eo afovoan'ireo tany tsy misy mponina ny tanin'i Egypta, ary ireo tanànany eo afovoan'ireo tanàna foana dia ho faharavana mandritry ny efa-polo taona; avy eo Egypta haparitako eo amin'ireo firenena, ary haeliko manerana ireo tany izy ireo. 13 Fa izao no ambaran'ny Tompo Yaveh: Rehefa afaka efa-polo taona dia hangoniko avy amin'ireo vahoaka eo amin'ireo izay niparitahan'izy ireo ny Egyptiana. 14 Ho averiko ireo haren'i Egypta ary haveriko any amin'ny faritr'i Patrosa, ilay tany niaviany ireo. Avy eo dia ho fanjakana ambany izy ireo any. 15 Ho ambany indrindra amin'ireo fanjakana izany, ary tsy ho hasandratra eo amin'ireo firenena intsony. Ho akeleziko izy ireo ka tsy hanapaka eo amin'ireo firenena intsony. 16 Tsy ho anton'ny tokin'ireo ankohonan'Israely intsony ireo Egyptiana. Fa kosa, ho fampatsiahivana ny heloka izay nataon'Israely rehefa nitodika tamin'i Egypta mba hila fanampiana izy ireo. Avy eo dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Tompo Yaveh.'" 17 Tamin'ny taona fahafito amby roapolo tamin'ny andro voalohan'ny volana voalohany, dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 18 "Ry zanak'olona, Nebokadnezara ilay mpanjakan'i Babylona dia namoaka ny tafiny mba hanao asa mafy manohitra an'i Tyro. Sola avokoa ny loha rehetra, ary niendaka ny soroka rehetra. Nefa izy sy ny tafiny dia tsy nandray karama avy amin'i Tyro tamin'ny asa mafy izay nataony namelezana izany. 19 Noho izany dia izao no ambaran'ny Tompo Yaveh: 'Indro! Homeko an'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona ilay tany, ary ho alainy ny haren'izany, ho baboiny ny fananany, ary ho alainy izay rehetra hitany ao; izany no ho karaman'ireo tafiny. 20 Efa nomeko azy ho karama tamin'ny asa izay nataon'izy ireo ho Ahy ny tanin'i Egypta—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 21 Amin'izany andro izany dia hampitsimoka tandroka ho an'ny ankohonan'Israely Aho, ary hampiteny anao eo afovoan'izy ireo, koa ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh.'"
DH: "Tamin'ny taona fahafolo nanaovana sesitany an'i Joiakima mpanjaka"
"tamin'ny andro faharoa ambin'ny folon'ny volana fahafolo." Tamin'ny volana fahafolo amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro faharoa ambin'ny folo dia manakaiky ny fiantombohan'ny Janoary amin'ny tetiandro Tandrefana.
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
"ilay biby masiaka lehibe izay miaina anaty rano." Yaveh manomboka mampitaha an'i Farao amin'ny dragona izay miaina anaty rano. Mety ho voay ilay biby masiaka.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Farao, mampitaha azy amin'ny biby masiaka any anaty rano.
sombim-by na hazo maranitra sy miondrika izay ampiasain'ny olona mba hanjonoana trondro sy biby hafa any anaty rano.
hoditra mafy amin'ny trondro, voay, ary biby hafa
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Farao.
Yaveh dia mampitaha ny vahoakan'i Egypta sy Farao amin'ny tahona volotara satria ny vahoakan'Israely dia niantehitra tamin'ireo Egyptiana mba hanampy azy ireo any an'ady, nefa ireo Egyptiana tsy dia natanjaka loatra mba hanampy azy ireo.
zava-maniry izay maniry akaikin'ny rano ary miendrika toy ny ahitra tena lava
ilay faritra amin'ny volotara izay lava sy toy ny tapa-kazo matevina. Ny olona dia afaka mampiasa ireo toy ny tapa-kazo, fa ireo tahona volotara dia tsy dia mafy toy ny hazo ary mety ho tapaka tampoka.
Ny teny hoe "anao" dia maneho an'i Farao
"nandratra ny valahany iray manontolo ianao" Andriamanitra eto dia miresaka ny ratsy izay niainan'ireo Israelita rehefa nahatoky an'ireo Egyptiana mba hiaro azy ireo amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona izy ireo.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Farao.
DH: "Jereo!" na "Henoy!" na "Mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
Ny teny hoe "anao" dia maneho ny firenen'i Egypta. Ny firenena matetika dia heverina toy ny hoe vehivavy tokana izy ireo.
Ny teny hoe "anao" dia maneho an'i Farao.
DH: "any Egypta iray manontolo" na "avy any amin'ny sisin'i Egypta hatrany amin'ny sisiny atsimon'i Egypta."
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Farao.
"tsy hisy na biby iray aza handeha amin'izany"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Farao.
DH: "nanaparitahako azy ireo"
"homeko an'i Egypta izay very taminy"
ny faritra atsimon'i Egypta eo anelanelan'i Delta sy ny tanin'i Kosy. Ity ihany koa dia antsoina hoe Egypta Ambony.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Farao.
"ny firenen'Israely dia tsy hatoky an'ireo Egyptiana intsony"
"isaky ny nankany Egypta mba hila fanampiana izy ireo"
DH: "Tamin'ny taona fahafito amby roapolo nanaovana sesitany an'i Joiakima mpanjaka"
Ity dia volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro voalohany dia manakaiky ny fiantombohan'ny Aprily.
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
DH: "Jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
Ity fehezanteny ity dia midika hoe "hanomboka hamerina ny herin'ny ankohonan'Israely Aho."
"amin'izy ireo"
1 Ary tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Ry zanak'olona, maminania ka lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Midradradradrà hoe: "Loza ny andro ho avy." 3 Akaiky ny andro. Akaiky ny andro ho an'i Yaveh. Ho andro mandrahona izany, fotoan'ny fiafarana ho an'ireo firenena. 4 Dia hisy sabatra ho avy hanohitra an'i Egypta, ary hisy fangirifiriana ao Kosy rehefa miampatra any Egypta ny vahoaka maty—rehefa maka ny hareny izy ireo, ary rehefa simba ny fotony. 5 Kosy, Lybia, sy Lydia, ary ireo vahiny rehetra, miaraka amin'ny vahoakan'ny fanekena—ho lavon-tsabatra avokoa izy rehetra. 6 Izao no lazain'i Yaveh: Noho izany ireo izay manohana an'i Egypta dia ho lavo, ary ny avonavon'ny heriny dia hietry. Hatrany Migdola ka hatrany Syena no hahalavo ireo miaramilany amin'ny sabatra—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 7 Haharikoriko eo afovoan'ny tany nafoy izy ireo, ary ireo tanànany dia ho eo amin'ireo tanàna rava rehetra. 8 Dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh, raha handoro an'i Egypta Aho, ary rehefa ringana ireo mpanampy azy rehetra. 9 Amin'izany andro izany dia hisy iraka hivoaka avy eo anoloako amin'ny sambo mba hampihorohoro ny fiarovan'i Kosy, ary hisy fangirifiriana eo amin'izy ireo amin'ny andro fiafarana ratsin'i Egypta. Fa indro! Avy izany. 10 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Hanisy fiafarana ny fahamaroan'i Egypta amin'ny tanan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona Aho. 11 Izy sy ny tafiny miaraka aminy, ny fampihorohoroana amin'ireo firenena, no ho entina handrava ny tany; hanatsoaka ny sabany hanohitra an'i Egypta ary hameno ny tany amin'ny fatin'olona izy ireo. 12 Hamadika ny renirano ho tany maina Aho, ary hivarotra ny tany eo an-tanan'ny olona ratsy fanahy. Amin'ny alalan'ny tanan'ny fahavalo no hanaovako ny tany sy ny fahafenoany ho rava—Izaho, Yaveh, no efa niteny. 13 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Hamotika ireo sampy Aho, ary hitondra fiafarana amin'ireo sampy tsy mendrik'i Memfisa. Tsy hisy andriandahy intsony ao amin'ny tany Egypta, ary hametraka fampihorohoroana eo amin'ny tany Egypta Aho. 14 Dia hataoko lao i Patrosa ary ho dorako i Zoana, ary hampihatra fitsaràna amin'i No Aho. 15 Fa handraraka ny fahatezerako amin'i Sina, ilay fiarovana mafy any Egypta, ary hanapaka ny maro any No Aho. 16 Dia handoro an'i Egypta Aho; ho ory mafy i Sina, ho rava i No, ary hiatrika fahavalo isan'andro i Memfisy. 17 Ny tovolahy any Avena sy Pisbeseta dia ho lavon-tsabatra, ary ireo tanànany dia ho lasan-ko babo. 18 Any Tapanesa, dia hihazona ny hazavany ny andro rehefa mamotika ny ziogan'i Egypta ao Aho, ary ho tapitra ny avonavon'ny heriny. Hisy rahona handrakotra azy, ary ireo zanany vavy dia ho lasan-ko babo. 19 Hampihatra fitsaràna ao Egypta Aho, dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh.'" 20 Ary tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo, tamin'ny volana voalohany, tamin'ny andro fahafiton'ny volana, dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 21 "Ry zanak'olona, efa nanapaka ny sandrin'i Farao, mpanjakan'i Egypta Aho. Indro! Tsy nofonosana izany, na nositranina tamin'ny famatorana, mba hampatanjaka tsara izany mba hitan-tsabatra. 22 Koa izao no lazain'ny Tompo Yaveh: 'Indro, hanohitra an'i Farao, mpanjakan'i Egypta Aho. Fa hanapaka ny sandriny Aho, ilay matanjaka sy ilay tapaka, ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tanany. 23 Haeliko eo amin'ireo firenena i Egypta ary haparitako eo amin'ny tany izy ireo. 24 Hatanjahiko ireo sandrin'ny mpanjakan'i Babylona ary hametraka ny sabatro eo amin'ny tanany Aho mba hahafahako manapaka ireo sandrin'i Farao. Hisento eo anoloan'ny mpanjakan'i Babylona amin'ny fisenton'ny olona ho faty izy. 25 Fa hampatanjaka ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona Aho, raha mbola hiraviravy ny tanan'i Farao. Dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh, rehefa mametraka ny sabatro eo amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Babylona Aho; fa hanafika ny tanin'i Egypta amin'izany izy. 26 Koa haeliko eo amin'ireo firenena i Egypta ary haparitako manerana ny tany izy ireo. Dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh.'"
Ezekiela milaza momban'ny hafatra izay nomen'i Yaveh azy.
"niteny ny teiny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 21:08.
"mihiakiahà amin'ny alahelo lehibe" Ity baiko ity dia ho an'i Egypta sy ireo firenena manodidina an'i Egypta.
"mampatahotra izany andro izany" na "zavatra tena ratsy no hitranga amin'izany andro izany"
tiana lazaina fa ny hoe "ny andro" dia ilay fotoana hidradradradran'ny olona. Fandikana hafa: "efa akaiky ho andro hidradradradranao"
Tiana lazaina fa amin'izany andro izany, Yaveh dia hanasazy ny olona. Fandikana hafa: "efa akiky ny andro hanasazian'i Yaveh ny olona"
Fandikana hafa: "ho toy ny andro misy rahona mainty izany" na "hampatahotra toy ny andro misy rahona mainty izany"
Fandikana hafa: "fotoana izay hitrangan'ny zavatra mahatsiravina amin'ireo firenena" na "ho fotoana izay hijalian'ny olona ao amin'ireo firenena izany"
Ireto dia tenin'i Yaveh momban'i Egypta.
Ny teny hoe "sabatra" eto dia maneho ny ady na fanafihana. Fandikana hafa: "hisy ady manohitra an'i Egypta" na "hisy tafika fahavalo hanafika an'i Egypta."
"halahelo be i Kosy" na "ho feno alahelo ny vahoakan'i Kosy"
"rehefa maty ny vahoaka maro ao Egypta" na "rehefa maty any an'ady ny vahoaka maro ao Egypta"
"ho alain'ireo mpanafika ny haren'i Egypta"
"ho simbain'ireo mpanafika mihitsy aza ny fototr'ireo trano lehibe ao Egypta"
Lybia dia firenena andrefan'i Egypta. Ezekiela dia niantso ity faritra ity hoe Puta
Ity dia mety maneho ny fanjakan'i Lydia izay any amin'ny atao hoe Torkia amin'izao. Ezekiela dia niantso ity faritra ity hoe Loda.
Ireo mety ho heviny dia 1) "ireo Jiosy izay nipetraka tany Egypta" na 2) "ireo olona hafa any amin'ireo tanin'ny mpiray-hina amin'i Egypta." Tsy dia mazava tsara raha toa ny hoe "fanekena" dia maneho ny fifanarahana izay nataon'i Yaveh tamin'ireo Israelita na ny fifanarahana izay nataon'i Egypta tamin'ireo vondron'olona hafa.
"ho faty any an'ady avokoa." Tsy midika akory ity fa ny olona tsirairay rehetra dia ho faty, fa hoe olona maro avy amin'ireo firenena rehetra ireo no ho faty.
Ity fehezanteny ity dia mampiditra an'izay ho lazain'ny Tompo.
"amin'izany fomba izany, ireo vahoaka" na "amin'izany fomba izany, ireo firenena"
"izay manampy an'i Egypta"
"ho faty" na "ho rava"
"ny herin'i Egypta, izay mahatonga ny reharehany, dia ho lasa" na "ny hery izay mampirehareha an'i Egypta dia ho tonga faharavana"
Ezekiela manonona anaran-tanàna any amin'ireo sisin'i Egypta mba hanehoana an'i Egypta iray manontolo. Fandikana hafa: "any Egypta iray manontolo" na "avy any amin'ny sisiny avaratr'i Egypta hatrany amin'ny sisiny atsimon'i Egypta."
"ireo miaramilan'i Egypta dia ho fatin'ny sabatra." Fandikana hafa: "ny tafika mpanafika dia hamono an'ireo miaramilan'i Egypta any an'ady"
"ireo miaramilan'ireo mpiray-hina amin'i Egypta dia haharikoriko rehefa tavela voadidin'ny tany nafoy izy ireo"
"eo amin'ny" na "voadidin'ny"
"ireo tanànan'izy ireo dia ho voadidina tanàna rava eo amin'ireo firenena eo akaiky eo"
Ireto dia tenin'i Yaveh momban'i Egypta.
Ireo mety ho heviny dia 1) "dia ho fantatr'ireo vahoaka" na 2) "dia ho fantatr'ireo Egyptiana"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
Ny afo dia maneho ny afo izay matetika miseho any an'ady. Fandikana hafa: "raha hamotika an'i Egypta amin'ny afo Aho" na "raha handefa tafika manafika mba handoro an'i Egypta amin'ny afo Aho"
Fandikana hafa: "ringaniko avokoa ireo mpiray-hina amin'i Egypta rehetra" na "ravaiko ireo rehetra manampy an'i Egypta"
Ireo iraka dia hitondra ny vaovaon'ny faharavan'i Egypta amin'i Kosy, izay ho raiki-tahotra amin'ireo vaovao.
"mba hampatahotra an'i Kosy, izay mahatsapa voaaro amin'ny loza ankehitriny"
"ny vahoakan'i Kosy ihany koa dia hahatsapa fanaintainana lehibe rehefa manasazy an'i Egypta Aho"
Ny teny hoe "iindro" eto dia manampy manamafy an'izay manaraka eo. Afaka adika hoe "tokoa!" ihany koa izany.
Ny hoe "izany" dia maneho ny "fanaintainana lehibe" na "alahelo lehibe" izay ho ananan'i Kosy rehefa voasazy miaraka amin'i Egypta izy ireo.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:5.
Fandikana hafa: "ho ataoko izany mba tsy hisy olona maro intsony Egypta"
Nebokadnezara dia ho iray amin'ireo izay mitondra ity sazy ity.
DH: "hitondra an'i Nebokadnezara sy ny tafiny Aho ... mba handrava ilay tany"
Yaveh dia miantso an'i Nebokadnezara hoe "fampihorohoroana amin'ireo firenena" satria ireo firenena rehetra dia tena matahotra ny tafiny.
"mba ho ravain'izy ireo ny tany." Yaveh dia hitondra an'i Nebokadnezara sy ny vahoakany mba hamotika ilay tany izy ireo.
"hiady hanohitra an'i Egypta"
Ity dia fanatomboana resaka mba hanehoana fa ireo Babyloniana dia tena hamono Egyptiana maro be. Hisy Egyptiana maro be ho faty ka ho toy ny hoe mandrakotra ny tanin'i Egypta rehetra ny fatin'izy ireo. Fandikana hafa: "hamono olona maro be izy ireo ka ho toy ny hoe eny rehetra eny ny fatin'izy ireo izany"
Ireto dia tenin'i Yaveh momban'i Egypta.
"hanamaina ireo reniranon'i Egypta Aho"
Yaveh dia hanome an'ireo Babyloniana hifehy an'i Egypta tahaka ny olona iray izay mivarotra zavatra manome ilay mpividy izany ny fifehezana izany zavatra izany. Fandikana hafa: "homeko ny olona ratsy fanahy ny famehezana ny tany."
"hahatonga ny olona avy amin'ny firenena hafa hamotika ilay tany sy ny zavatra rehetra ao amin'izany Aho"
"ny zavatra rehetra ao amin'ilay tany"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:5.
"hamotika ireo sampy tsy misy ilàna azy"
Memfisa dia tanàna tena manan-danja any Egypta.
"mpanapaka manan-danja any amin'ny tany Egypta"
"hampatahotra mafy an'ireo vahoakan'i Egypta Aho"
Ity dia faritra any atsimon'i Egypta
"handrehitra an'i Zoana amin'ny afo Aho"
Zoana dia tanàna hafa manan-danja any Egypta.
tanàna renivohitry ny Egypta atsimo ity.
Ireto dia tenin'i Yaveh momban'i Egypta
"Fa hiasa amin-kahatezerana manohitra an'i Sina Aho" na "Satria tena tezitra Aho, dia hanasazy mafy an'i Sina"
Ity dia tanàna manan-danja tany Egypta avaratra
"hamono ireo vahoaka maro an'isa any No"
Jereo ny fomba nandikanao ny anaran'ity tanàna ity tao amin'ny 30:13.
"handrehitra an'i Egypta amin'ny afo Aho"
"hanaintaina mafy" na "hahatsapa fanaintainana mafy"
"ho simba i No." Fandikana hafa: "ho resin'ireo fahavalo i No."
Jereo ny fomba nandikanao ny anaran'ity tanàna ity tao amin'ny 30:13.
Fandikana hafa: "hatahotra isan'andro ny vahoakan'i Memfisy"
Ireto dia tenin'i Yaveh momban'i Egypta.
Ireo dia tanàna any Egypta avaratra.
Ny teny hoe "sabatra" dia nampiasaina eto mba hanehoana ady. Fandikana hafa: "ho faty any an'ady" na "ho faty any amin'ny ady."
"ho lasa babo ireo vahoaka ao amin'ny tanànan'izy ireo" na "ho alaina toy ny gadra ireo vahoaka"
Ity dia tanàna manan-danja tany Egypta avaratra.
Ny andro dia resahina toy ny hoe afaka mihazona ny hazavany manokana mba tsy hihiratra izany. DH: "ho maizina ny andro"
Ny teny hoe "zioga" eto dia maneho ny fahefan'i Egypta hampahory ny olona. Fandikana hafa: "rehefa manajanona an'i Egypta amin'ny fampahoriana ny olona Aho" na "rehefa mampifarana ny fahefan'i Egypta amin'ny fifehezana feno habibiana an'ireo firenena hafa Aho"
"tsy hirehareha amin'ny fahatanjahany intsony Egypta" na "izany firenena izany dia tsy hirehareha amin'ny fahatanjahana intsony" (UDB)
"hisy rahona eo amin'i Egyptaa" na "izany dia ho toy ny hoe misy rahona eo amin'i Egypta." Ireo mety ho heviny dia 1) ny rahona mainty dia maneho ny halahelo ho tsapan'ny vahoakan'i Egypta, na 2) hisy rahom-bovoka eo amin'i Egypta avy amin'ny zavatra rehetra izay rava.
Ireo mety ho heviny dia 1) ny vahoaka ao amin'ireo firenena Egyptiana na 2) ireo zanaka vavin'ny vahoaka Egyptiana
"hanasazy an'i Egypta amin'ny fomba maro Aho"
"ho fantatr'ireo Egyptiana"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
Ity dia nampiasaina eto mba hanamarihana ny fiantombohan'ny fizarana vaovao ao amin'ny tantara. Raha toa ny fiteninao ka manana fomba hilazana ity, dia ampiasao eto izany.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 26:1.
"tamin'ny andro fahafiton'ny volana voalohany." Ity dia volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahafito dia manakaiky ny fiantombohan'ny Aprily amin'ny tetiandro Tandrefana.
"Niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ny fahefan'ny mpanjaka iray.
Ny teny hoe "indro" dia manaitra antsika mba hitandrina amin'ny fampahafantarana manaraka.
DH: "Tsy nofonosina ny sandriny ary tsy misy fanafody ka afaka ny ho sitrana"
sombin'akanjo izay ataon'ny olona eo amin'ny ratra mba ho sitrana izany.
Jereo ny fomba nandikanao ity ao amin'ny 3:10.
"ny sandry izay salama sy ny sandry izay efa tapaka"
"hahalavo ny sabatra eny an-tanan'i Farao Aho"
Jereo ny fomba nandikanao fehezanteny mitovy tao amin'ny 20:23.
firenena
"ho ataoko matanjaka ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona"
rehefa tonga hanafika an'i Egypta ny mpanjakan'i Babylona, dia hisento Farao.
Ny sento dia feo mafy izay ataon'ny olona rehefa feno fanaintainana na ho faty izy ireo.
"toy ny hisentoan'ny olona izay ho faty" na "toy ny olona izay ho faty"
"ho ataoko matanjaka ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona"
"fa Farao dia tsy ho afaka ny hampiasa ny sandriny" na "halemy loatra ny sandrin'i Farao ka tsy afaka ny hampiasa ireo izy"
Ny hoe "izy ireo" dia mety maneho an' 1) "ireo Egyptiana" na 2) "ny olona rehetra izay mandre ny nataon'i Yaveh."
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
"ary ny mpanjakan'i Babylona dia hanafika ny tany Egypta amin'ny sabany"
Jereo ny fomba nandikanao fehezanteny mitovy tao amin'ny 20:23.
1 Ary tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo, tamin'ny volana fahatelo, tamin'ny andro voalohan'ny volana, dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Ry zanak'olona, lazao amin'i Farao, ilay mpanjakan'i Egypta, ary amin'ny vahoakany rehetra manodidina azy hoe: 'Ao amin'ny fahalebiazanao, tahaka an'iza ianao? 3 Indro! Asyria dia sedera nisy sampany tsara tarehy tao Libanona, nanome alokaloka ho an'ny ala, ary avo indrindra tamin'ny halavany, ary ny sampany nananika ny rahona. 4 Rano maro no nahalava izany; ny rano lalina no nahagoavana izany. Nikoriana nanodidina ny faritra rehetra nisy azy ny renirano, satria ny lakan-dranony dia nivelatra tamin'ny hazo rehetra tao an-tsaha. 5 Ny hahavony dia nihoatra noho ny hazo hafa rehetra tany an-tsaha, ary ny sampany dia nanjary maro tokoa; niha-lava ny sampany noho ireo rano maro raha naniry iny izy ireo. 6 Nanao ny akaniny teo amin'ny sampany ny voron'ny lanitra rehetra, raha niteraka ny zanany teo ambanin'ny raviny ny zava-manan'aina rehetra tao an-tsaha. Nitoetra tao ambanin'ny alokany ny firenena maro rehetra. 7 Fa tsara tarehy izany tao amin'ny fahalebiazany sy ny halavan'ny sampany, satria tao amin'ny rano maro ny fakany. 8 Tsy afa-nitaha tamin'izany ireo sedera tao amin'ny sahan'Andriamanitra. Tsy nisy tamin'ireo kypreso no sahala tamin'ny sampany, ary ny hazo platana tsy nitaha tamin'ny rantsany. Tsy nisy hazo hafa tao amin'ny sahan'Andriamanitra izay nitovy tamin'izany tamin'ny fahatsarany. 9 Nataoko tsara tarehy tamin'ny sampany maro izany ary ny hazon'i Edena rehetra izay tao amin'ny sahan'Andriamanitra dia nialona izany. 10 Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Satria lava tamin'ny haavony izy, ary teo anelanelan'ny sampany no napetrany ny tendrony, nanandratra ny fony izany nohon'ny haavony. 11 Nomeko teo an-tanan'ilay iray maherin'ireo firenena izy, mba hifampiraharaha amin'izany araka izay mendrika ny faharatsiany. Efa nariako tany ivelany izany. 12 Ireo vahiny izay horohoron'ny firenena rehetra no nanapaka azy ka namela azy ho faty. Nianjera teo an-tendrombohitra sy ireo lohasaha rehetra ny sampany, ary ireo rantsany dia mitoetra potipotika ao amin'ny riaky ny tany rehetra. Dia nivoaka avy tao ambanin'ny alokany ny firenena rehetra teto an-tany ary niala lavitra izany. 13 Ny voron'ny lanitra rehetra dia nijanona teo amin'ny vatan'ilay hazo nianjera, ary ny biby rehetra tao an-tsaha dia nankeo amin'ny sampany. 14 Nitranga izany mba tsy hisy hazo hafa haniry eo akaikin'ny rano ka hanangana ny raviny hatreny amin'ny haavon'ny hazo avo indrindra, ary mba tsy hisy hazo hafa haniry eo akaikin'ny rano ka hahatratra izany haavo izany. Efa voatendry ho amin'ny fahafatesana avokoa izy rehetra, ho any ambany tany, eo amin'ireo zanak'olombelona, miaraka amin'ireo izay midina any an-davaka. 15 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Tamin'ny andro izay nidinan'ilay sedera tany amin'ny fiainan-tsy hita dia nitondra fisaonana teto an-tany Aho. Nasaroko teo ambonin'izany ny rano lalina, ary nahemotro ny ranon'ny ranomasim-be. Nosakanako ny rano be, ary nitondra fisaonana teo amin'i Libanona ho azy Aho. Koa dia nisaona ny hazon'ny saha rehetra noho izany. 16 Nitondra hovitrovitra teo amin'ireo firenena tamin'ny feon'ny fianjerany Aho, rehefa natsipiko tany amin'ny fiainan-tsy hita niaraka tamin'ireo izay nidina tany an-davaka izy. Koa dia nampionona ny hazon'i Edena rehetra tany amin'ny fanambanin'ny tany Aho. Ireny no hazo voafantina sy tsara indrindra an'i Libanona; dia ireo hazo izay nisotro ny rano. 17 Fa nidina tany amin'ny fiainan-tsy hita niaraka tamin'izany ihany koa ireo, ho any amin'ireo izay matin'ny sabatra. Ireny no sandriny mahery, ireo firenena izay nitoetra teo amin'ny alokalony. 18 Iza tamin'ireo hazo tao Edena no sahala aminao amin'ny voninahitra sy fahalebiazana? Fa hazera miaraka amin'ireo hazon'i Edena ho any amin'ny fanambanin'ny tany eo amin'ireo tsy voafora ianao; hiaina tahaka ireo izay matin'ny sabatra ianao.' Farao sy ny vahoakany rehetra izany—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh."
Ity dia nampiasaina eto mba hanamarihana ny fiantombohan'ny fizarana vaovao ao amin'ny tantara. Raha toa ny fiteninao ka manana fomba hilazana ity, dia ampiasao eto izany.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 26:1.
"tamin'ny andro voalohan'ny volana fahatelo." Ity dia volana fahatelo amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro voalohany dia manakaiky ny fiantombohan'ny Jiona amin'ny tetiandro Tandrefana.
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
"iza no lehibe tahaka anao?" Mampiasa ity fanontaniana ity Yaveh mba hampidirana lohahevitra vaovao. Farao dia nihevitra fa ny fireneny no lehibe indrindra, nefa Andriamanitra dia eo andalam-piresahana momban'ny firenena lehibe hafa. DH: "ianao dia mihevitra fa tsy misy firenena izay lehibe tahaka ny fahefan'ny firenenao ny fahefany." (UDB)
Ireto dia tenin'Andriamanitra amin'i Farao momban'i Asyria. Andriamanitra dia manome ny hafany amin'ny endrika fanoharana momban'ny hazo sedera lehibe.
DH: "jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
Ireo mety ho heviny dia 1) "feno raviny ka manome aloka tsara izany" na 2) "izay nanome aloka ho an'ireo hazo hafa ao an'ala."
"tena lava be"
Ireo mety ho heviny dia 1) "teny amin'ny rahona ny tendron'ilay hazo" na 2) "teny ambonin'ny rantsan'ireo hazo hafa ny tendrony"
"Satria feno rano ilay sedera, dia nihalava be izany"
"ilay rano lalina ao amin'ny tany no nampitombo be an'ilay sedera"
"ary nikoriana avy teo amin'ireo renirano nankany amin'ireo hazo rehetra teo an-tsaha ny rano"
Mitohy ny fanoharan'i Yaveh momban'ilay sedera.
"ilay sedera dia lava kokoa noho ireo hazo hafa tao an-tsaha"
"naniry sampana maro izany"
"satria feno rano izany"
"ny karazam-borona rehetra izay manidina eny amin'ny habakabaka dia nanao ny akaniny teo amin'ireo sampana"
"ary ny zava-manan'aina rehetra izay miaina ao an-tsaha dia niteraka tao ambanin'ireo sampan'ny sedera"
"nonina tao amin'ny alokany ireo firenena matanjaka rehetra" na "ireo firenena lehibe rehetra dia nonina teo amin'ny alok'izany hazo izany" (UDB)
"tsara tarehy izany satria tena lehibe ary tena lava ny sampany"
Mitohy ny fanoharan'i Yaveh momban'ilay sedera.
Satria ireo dia tenin'Andriamanitra tamin'i Farao, afaka adika hoe "tsy lehibe toy izany hazo izany ilay hazo sedera teo an-tsahako."
Ity dia fomba hafa hanehoana "ny sahan'i Edena."
Yaveh dia nampitaha ny isan'ireo sampana maro nananan'ireo hazo. DH: "Tsy nisy nanana sampana maro toy ilay sedera ireo kypreos."
Ny kypreso dia manana sampana tena maro. Afaka maniry ho tena avo ireo.
Tiana ambara eto fa Yaveh dia nampitaha ireo sampana lavan'ny sedera tamin'ny sampana lavan'ny hazo platana. DH: "ny hazo platana dia tsy nanana sampana toy ny sedera." na "tsy misy hazo platana manana sampana lava toy ireo sampan'ny hazo sedera"
Ny hazo platana dia lehibe, hazo mikirindro miaraka amin'ny sampana mafy. Mitovy amin'ny hazo amontana ireo.
"tsara toy ny hazo sedera"
"nataoko tsara tarehy ilay sedera tamin'ny fanomezana sampana maro izany"
"nialona an'ilay hazo sedera"
Mitohy ny fanoharan'i Yaveh momban'ilay sedera.
Ireo mety ho heviny dia 1) "nanandratra ny tendrony teo ambonin'ny sampan'ireo hazo hafa" na 2) "nanandratra ny tendron'ny hazony teo amin'ireo rahona." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 31:3.
Ity andalana ity dia manohy maneho an'ilay mpanjakan'i Asyria, izay naseho tamin'ny alalan'ny hazo sedera.
"napetrako teo amin'ny fahefan'ilay firenena matanjaka indrindra izy." Ny hoe "manolotra eo an-tanana" dia maneho ny fifehezana.
"nalefako niala ny tanin-tsedera ilay sedera satria ratsy fanahy ilay sedera"
Mitohy ny fanoharan'i Yaveh momban'ilay sedera.
"izay nampahatahotra ny firenena rehetra"
"nanapaka an'ilay sedera"
"notapahan'ireo vahiny ireo rantsan'ilay sedera"
Ny rantsana dia sampan-kazo tena lehibe izay maniry eny amin'ny hazo. Matetika, misy sampana kelikely kokoa maniry eny amin'ireo rantsana.
"namela ny alokan'ilay sedera"
Mitohy ny fanoharan'i Yaveh momban'ilay sedera.
"ny vorona rehetra izay manidina eny amin'ny habakabaka"
Ity dia afaka adika hoe "nipetraka teo amin'ireo sisa tavelan'ilay sedera" na "nipetraka teo amin'ny hazo maty avy eo amin'ilay sedera izay nandry teo amin'ny tany"
Ny vatan-kazo dia ilay faritra tena matevina amin'ny hazo izay mivoaka avy ao amin'ny tany ary mihazona ny sisa amin'ilay hazo.
"nipetraka teo amin'ny sampan'ilay sedera ireo bibidia"
Ireo mety ho heviny dia 1) "tsy hihalava kokoa noho ny sampan'ireo hazo hafa" na 2) "tsy hametraka ny tendron'izy ireo eny amin'ny rahona."
"ary tsy hisy hazo hafa izay mahazo rano be hihalava tahaka izany indray"
"Efa nomeko ny fahafatesana avokoa izy rehetra" na "nataoko izany mba ho faty izy rehetra." Yaveh no miteny.
"ary nanao izany mba handeha lalina any ambanin'ny tany izy rehetra"
"mba hiaraka amin'ireo olona izay efa maty ary nandeha nidina tao am-pasana"
Mitohy ny fanoharan'i Yaveh momban'ilay sedera.
Ny fehezanteny hoe "nidina tany amin'ny fiainan-tsy hita" dia midika hoe "maty." DH: "tamin'ny andro nahafatesan'ilay sedera" na "tamin'ny andro izay nikapana an'ilay sedera."
"nampisaona ny tany Aho." Izany dia toy ny hoe nanao ny rano, Libanona, ary ireo hazodia rehetra mba hisaona an'ilay sedera i Yaveh.
Ny teny hoe "manarona" dia mety maneho ny fametrahana akanjo mba hisaonana. DH: "nataoko nisaona ho an'ilay sedera ny rano avy eo amin'ireo loharano" na "izany dia toy ny hoe nisaona an'izany ireo loharano izay nanondraka izany" (UDB)
"nohazoniko tsy hanondraka ny tany ny rano tao amin'ilay ranomasina"
"nataoko izany mba tsy hisy rano be intsony"
"ary nampisaona an'i Libanona ho an'ilay sedera Aho"
Mitohy ny fanoharan'i Yaveh momban'ilay sedera.
"rehefa natsipiko tany amin'ny Fiainan-tsy hita izany hazo izany." Ity fehezanteny ity dia midika hoe "rehefa novonoiko ilay sedera"
"niaraka tamin'ny olona rehetra izay maty sy nankao amin'ny tany"
"izay efa lalina ao ambanin'ny tany." Ity fehezanteny ity dia midika hoe "izay efa maty."
"ireo hazo tsara indrindra an'i Libanona izay tadiavin'ny olona; ireo hazo izay mahazo rano be" Izany dia ireo hazon'i Edena izay tao amin'ny fanambanin'ny tany.
Izany dia zavatra izay tadiavin'ny olona rehetra satria tena tsara.
Mitohy ny fanoharan'i Yaveh momban'ilay sedera.
"ireo hazon'i Libanona ihany koa dia maty ary nankany amin'ny Fiainan-tsy hita niaraka tamin'ilay sedera"
DH: "izay novonoin'ireo fahavalo tamin'ny sabatra" na "izay maty tany an'ady"
"ireny hazon'i Libanona ireny no sandriny mahery." Ny hoe "sandry mahery" dia midika hoe "fahefana." DH: "Ireny hazon'i Libanona ireny no herin'ilay sedera" na "ireny hazo ireny no nanamafy ilay sedera"
"iza tamin'ireo hazo tao Edena no nanana voninahitra betsaka tahaka anao sy lehibe tahaka anao?" Andriamanitra dia mametraka ity fanontaniana ity amin'i Farao mba hampisehoana azy fa ilay fanoharana dia mihatra aminy sy amin'ny fireneny. Izany dia afaka miantomboka amin'ny "noho izany Farao" na "noho izany Egypta."
DH: "Fa ho azerako ianao"
DH: "tahaka an'ireo hazon'i Edena hafa"
"ho any amin'ny toerana lalina ao amin'ny tany"
DH: "izay hiarahanao amin'ireo olona izay tsy voafora"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
1 Tamin'ny volana faharoa ambin'ny folon'ny taona faharoa ambin'ny folo, tamin'ny voalohan'ny volana, dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Ry zanak'olona, manandràta fisaonana mahakasika an'i Farao ilay mpanjakan'i Egypta; lazao azy hoe: 'Tahaka ny liona tanora eo amin'ireo firenena ianao, saingy tahaka ny biby masiaka ao an-dranomasina; mijoboka ao anaty rano ianao, ary manakobakobana ny rano amin'ny tongotra ka mandoto ny ranon'izy ireo. 3 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Koa dia handatsaka ny haratoko ao aminao eo amin'ireo fivondronan'ny vahoaka maro Aho, ary hampiakatra anao amin'ny haratoko izy ireo. 4 Hamela anao ao amin'ilay tany Aho. Hatsipiko any an-tsaha ianao ary hangoniko eo aminao ireo voron'ny lanitra rehetra; ho voky miatiaty aminao ny hanoanan'ireo biby velona amin'ny tany rehetra. 5 Fa hametraka ny nofonao eo an-tendrombohitra Aho, ary ho fenoiko ny fahalovan'ny fatinao ireo lohasaha. 6 Ary handraraka ny rànao manerana ny tendrombohitra Aho, ary ho feno ny rànao ny fandrian-drano. 7 Ary rehefa hamono anao Aho, dia handrakotra ny lanitra sy hanamaizina ny kintan'izy ireo; ho rakofako rahona ny masoandro, ary tsy hamirapiratra amin'ny hazavany ny volana. 8 Hanamaizina ny famirapiratana rehetran'ny lanitra eo aminareo Aho, ary handrakotra aizina eo amin'ny taninareo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 9 Koa hampihorohoro ny fon'ny vahoaka maro ao amin'ny tany izay tsy fantatrao Aho, rehefa mby hitondra fahalavoana ho anao eo amin'ireo firenana, eo amin'ireo tany izay tsy mbola fantatrao Aho. [1]10 Hanafintohina vahoaka maro mahakasika anao Aho; hangovitry ny horohoro mahakasika anao ireo mpanjakan'izy ireo rehefa mampandihy ny sabatro eo anoloan'izy ireo Aho. Hangovitra noho ianao amin'ny fotoana rehetra ny tsirairay, amin'ny andron'ny faharavanao. 11 Fa izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ho avy hanohitra anao ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona. 12 Hataoko ringan'ny sabatr'ireo mpiady ireo vahoaka maronao—mpiady samy horohoron'ireo firenena. Ireo mpiady ireo dia handrava ny avonavon'i Egypta sy hamotika ireo vahoakany maro. 13 Fa hamotika ny biby fiompy rehetra avy eo akaikin'ireo rano be dia be Aho; tsy hanakobakobana ny rano intsony ny tongotry ny olona, na hitsabaka ireo ny kitron'ny biby fiompy. 14 Avy eo dia hampitony ireo ranony sy hampikoriana ireo oniny tahaka ny menaka Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 15 Rehefa manao ny tany Egypta ho tanàna haolo Aho, rehefa sakanana amin'ny fahafenoany rehetra ny tany, rehefa manafika ny mponina rehetra ao aminy Aho, dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh. 16 Hisy fisaonana; hisaona manerana azy ireo zanaka vavin'ny firenena; hisaona manerana an'i Egypta izy ireo, eo amin'ireo vahoakany maro rehetra no hisaonan'izy ireo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.'" 17 Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo, tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana, dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 18 "Ry zanak'olona, mitomania ho an'ireo vahoka maron'i Egypta ary ampidino izy ireo—izy sy ireo zanaka vavin'ireo firenena lehibe—ho any amin'ny tany iva indrindra miaraka amin'ireo izay nidina ao an-davaka. 19 'Tena tsara noho ny olon-kafa tokoa ve ianao? Midìna ka miampara miaraka amin'ireo tsy voafora.' 20 Ho lavo eo amin'ireo izay matin'ny sabatra izy ireo. Efa vita soritra ny sabatra! Efa nomena ny sabatra izy; hisambotra azy sy ireo vahoakany maro izy ireo. 21 Hanambara momban'i Egypta sy ireo mpiara-dia aminy ireo mpiady mahery indrindra hoe: 'Efa nidina teto izy ireo! Hiampatra miaraka amin'ireo tsy voafora, miaraka amin'ireo izay matin'ny sabatra izy ireo.' 22 Asyria sy ireo fiangonany rehetra dia ao. Manodidina azy ny fasany; izy rehetra dia maty tamin-tsabatra. 23 Ireo izay manana fasana miorina eo amin'ny fakan-drivotry ny lavaka dia ao, miaraka amin'ireo fiangonany rehetra. Ireo fasany dia manodidina an'ireo izay maty, izay lavon'ny sabatra, ireo izay nitondra horohoro teo amin'ny tanin'ny velona. 24 Ao Elama miaraka amin'ireo vahokany maro rehetra. Manodidina azy ny fasany; maty avokoa izy rehetra. Ireo izay lavon'ny sabatra, izay tafidina tsy voafora any amin'ny fanambanin'ny tany, izay nitondra ny horohoron'izy ireo teo amin'ny tanin'ny velona sy mitondra ny fahafaham-barakany manokana, miaraka amin'ireo midina ao an-davaka. 25 Nametraka kitapo fandriana ho an'i Elama sy ireo vahoakany maro rehetra eo afovoan'ny faty izy ireo; manodidina azy ny fasany. Izy rehetra dia tsy voafora, voalefon'ny sabatra, satria nitondra ny horohoron'izy ireo teo amin'ilay tanin'ny velona izy ireo. Koa dia mitondra ny fahafaham-barakany izy ireo, miaraka amin'ireo midina ao an-davaka eo amin'ireo izay efa maty, ireo izay midina ao an-davaka. Elama dia isan'ireo rehetra izay maty. 26 Meseka, Tobala, sy ireo vahoakany maro rehetra dia tao! Manodidina azy ireo ny fasany. Izy rehetra dia samy tsy voafora avokoa, matin'ny sabatra, satria nitondra ny fampihorohorony teo amin'ny tanin'ny velona izy ireo. 27 Tsy miara-miampatra eo amin'ireo mpiady tsy voafora lavo izay nidina tany amin'ny Fiainan-tsy hita miaraka amin'ireo fitaovam-piadiany, ary miaraka amin'ireo sabany apetraka ao ambanin'ny lohan'izy ireo sy ireo helony eo amin'ny taolan'izy ireo. Fa izy ireo no mpampihorohoro ny mpiady tao amin'ny tanin'ny velona. 28 Koa noho izany ianao, ry Egypta, dia ho potika eo anivon'ny ireo tsy voafora! Hiampatra manaraka ireo izay voalefon'ny sabatra ianao. 29 Ao i Edoma sy ireo mpanjakany ary ireo mpitariny. Efa voapetraka ao amin'ny tanjany miaraka amin'ireo matin'ny sabatra izy ireo. Miara-miampatra amin'ireo tsy voafora izy ireo, miaraka amin'ireo izay nidina tany an-davaka. 30 Ireo andriandahin'ny avaratra dia ao—izy rehetra miaraka amin'ireo Sidoniana rehetra izay nidina niaraka tamin'ireo izay efa voalefona. Nahery sy nampitahotra ny hafa izy ireo, fa ao anaty henatra izy ireo ankehitriny, tsy voafora miaraka amin'ireo izay voalefon'ny sabatra. Mitondra ny fahafaham-barakany izy ireo, miaraka amin'ireo izay nidina tany an-davaka. 31 Hijery Farao ary ho ampaherezina ny amin'ireo vahoakany maro rehetra izay voalefon'ny sabatra—Farao sy ireo tafiny rehetra—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 32 Napetrako ho mpampatahotro eo amin'ny tanin'ny velona izy, kanefa hiampatra eo anivon'ireo tsy voafora izy, eo amin'ireo voalefon'ny sabatra, i Farao sy ireo vahoakany maro rehetra—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh."
Ity dia volana faharoa ambin'ny folo sy farany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro voalohany dia manakaiky ny faran'ny Febroary.
DH: "tamin'ny faharoa ambin'ny folo taona nanaovana sesitany an'i Joiakima mpanjaka."
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
Ireo mety ho heviny dia 1) Nihevitra izy fa tahaka ny liona izy, kanefa izy dia tena biby masiaka ihany, na 2) tahaka ny liona sy biby masiaka izy
Egypta dia natanjaka kokoa noho ireo firenena hafa, tahaka ireo liona izay matanjaka kokoa noho ireo biby hafa.
Farao dia natanjaka saingy niteraka korontana ho an'ny hafa fotsiny izy, tahaka ny famaritana ity biby masiaka ao anaty rano ity.
Ny biby masiaka dia biby izay lehibe sy mampidi-doza. Mety ho voay ity iray ity. Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 29:1.
Yaveh manohy miresaka amin'i Farao sy mampitaha azy amin'ny biby masiaka izay miaina any anaty rano.
jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:5.
DH: "koa hanangona olona maro Aho ary hanipy ny haratoko eo aminao."
DH: "amin'ny fampiasana ny haratoko, ireo vahoaka dia hisintona anao hivoaka ny rano"
"hamela anao tsy misy manampy ao amin'ilay tany Aho." Ilay biby masiaka izay nampahatahotra tamin'izy tao anaty rano dia tsy afaka hanao na inona na inona rehefa avela eo amin'ny tany maina izany.
"ireo vorona rehetra izay manidina eny amin'ny lanitra"
DH: "ho avelaho hihinana ny vatanao ireo biby rehetran'ny tany mandra-paha-tsy noana azy ireo intsony"
Yaveh manohy miresaka amin'i Farao sy mampitaha azy amin'ny biby masiaka izay miaina ao anaty rano.
"ny fatinao izay lo"
DH: "ny tany dia hataoko tondraka amin'ny rànao manerana ny lalana rehetra mankany amin'ny tendrombohitra."
DH: "Ho fenoiko ny rànao ny rano" na "ary ho fenoin'izy ireo amin'ny rànao ny rano"
Yaveh manohy milaza an'i Farao izay ho ataony amin'i Egypta.
"rehefa mamono ny lel'afonao Aho." Yaveh dia mampitaha ny fomba hamotehany an'i Farao amin'ny fomba hamonoany ny lel'afo amin'ny jiro. DH: "rehefa mamotika anao Aho"
handrakotra ny lanitra i Yaveh mba tsy ho afaka ny hahita ny hazavan'ireo kintana, masoandro ary volana ny vahoakan'ny tany.
"ho ataoko maizina ireo kintana." Tsy hanana fahazavana izy ireo.
"ho ataoko maizina eo amin'ny taninao"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Yaveh manohy miresaka amin'i Farao.
DH: "ho ataoko matahotra ny fon'ny vahoaka maro" na "ho ataoko raiki-tahotra ny vahoaka maro"
tena hampatahotra ny fomba hamotehan'i Yaveh an'i Egypta ka na ny olona ao amin'ireo tany izay tsy mbola fantatr'i Farao mihitsy aza ny momba azy dia handre ny momba izany.
DH: "rehefa mandre momban'ny fomba namotehako anao ny firenena"
"hampihorohoro vahoaka maro noho izay mitranga aminao Aho"
DH: "hatahotra mafy momban'izay nitranga taminao ireo mpanjakan'izy ireo ka hangovitra izy ireo"
DH: "Ny tsirairay amin'izy ireo dia hangovitra hatrany nohon'ny tahotr'izy ireo"
DH: "rehefa mamotika anao Aho"
Yaveh manohy miresaka amin'i Farao.
Ny teny hoe "sabatra" eto dia maneho tafika. DH: "hanafika anao ny tafiky ny mpanjakan'i Babylona"
DH: "ho ringaniko noho ireo sabatr'ireo lehilahy mahery ny vahoakanao"
DH: "ny mpiady tsirairay dia mampihorohoro an'ireo firenena" na "ny tsirairay amin'izy ireo dia mampiraiki-tahotra an'ireo firenena"
"sy hamono ireo vahoaka maro an'isa izay mipetraka ao Egypta"
Yaveh manohy miresaka.
Ny biby fiompy dia biby izay azon'ny olona hohanina sy ho an'ny antony hafa. Ny omby vavy, ondry, ary osy dia biby fiompy avokoa.
"avy eo amin'ireo toerana izay feno rano"
"ny tongotry ny vahoaka"
Ireo mety ho dikany dia 1) "hampitony ilay rano Aho" na 2) "ho ataoko mazava ilay rano." Rehefa tsy misy mampihetsiketsika ny rano, dia hitoetra any ambany ireo maloto ary lasa mazava ilay rano.
ny menaka dia mikoriana mora. DH: "hampandeha moramora ireo ony tahaka ny menaka"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Yaveh manohy miresaka.
"rehefa mamotika an'ireo rehetra mipetraka ao Aho"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
DH: "ity ilay hira fisaonana izay ho hirain'ny vahoaka"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ireo vehivavy avy amin'ny firenena hafa" na 2) "vahoaka avy amin'ny firenena hafa"
Ny teny hoe "azy" dia meneho ny firenena Egypta.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Ireo mety ho heviny dia 1) Ity dia nitranga tany amin'ny taona faharoa ambin'ny folo taorian'ny nangalan'ireo Babyloniana an'ireo Israelita ho any Babylona na 2) ity dia nitranga tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo taorian'ny nangalan'ireo Babyloniana an'i Joiakima ho any Babylona.
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
"mitomania mafy ho an'ny tafik'i Egypta"
DH: "ampidino Egypta sy ireo zanaka vavin'ireo firenena lehibe"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny vahoakan'ireo firenena maro" na 2) "ireo firenena matanjaka hafa."
"ho any amin'ireo toerana any ambanin'ny tany." Rehefa maty ny olona, dia napetraka ao amin'ny tany. Noho izany, ny hoe "ampidino izy ireo ... ho any amin'ny fanambanin'ny tany" dia midika hoe "vonoy izy ireo"
"miaraka amin'ny hafa rehetra izay maty ary lasa ao amin'ny tany"
ny "lavaka" dia maneho ny fasana. Ilay lavaka ao amin'ny tany izay idiran'ny olona rehefa maty izany.
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela.
Tiana lazaina eto hoe midina any amin'ny Fiainan-tsy hita izy ireo. DH: "Midìna any amin'ny Fiainan-tsy hita."
"Egypta sy ny tafiny"
"ho faty"
DH: "izay novonoin'ireo fahavalo tamin'ny sabatra" na "izay maty tany an'ady"
DH: "hanafika an'i Egypta ireo fahavalo"
"ireo fahavalony dia hisintona an'i Egypta sy ireo mpanompony"
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo vahoakan'i Egypt na 2) ny tafik'i Egypta.
DH: "momban'ireo Egyptiana sy ireo izay miaraka amin'izy ireo"
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela momban'ireo firenena any amin'ny Fiainan-tsy hita. Satria izay asehon'Andriamanitra an'i Ezekiela dia mety ho an'ny fotoana ho avy, na ny mari-potoana amin'izao (tahaka ny ao amin'ny ULB), na ny mari-potoana ho avy (tahaka ny ao amin'ny UDB) dia mety ho an'ireto andalana ireto sy ireo andalana manaraka.
DH: "Ny vahoakan'i Asyria sy ny tafiny dia ao amin'ny Fiainan-tsy hita"
DH: "matin-tsabatra avokoa izy rehetra" na "maty tany an'ady izy rehetra." Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "izay matin-tsabatra" tao amin'ny 31:17.
"ao amin'ny faritra lalina indrindra an'ilay lavaka"
DH: "ireo rehetra izay novonoin'ireo fahavalo tamin'ny sabatra" na "ireo rehetra izay maty rehefa novonoin'ireo fahavalo tany an'ady izy ireo"
"ireo izay nampahatahotra ny olona tao amin'ilay tanin'ny velona." DH: "ireo izay, fony fahavelon'izy ireo, dia nampiraiki-tahotra tanteraka ny vahoaka"
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela momban'ireo firenena any amin'ny Fiainan-tsy hita.
Eto "Elama" dia maneho ny vahoaka ao amin'izay firenena izany. DH: "Ny vahoakan'i Elama ihany koa dia any amin'ny Fiainan-tsy hita"
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo mpanompony na 2) ny tafiny.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "mihodidina azy ny fasany" tao amin'ny 32:22.
DH: "novonoin'ireo fahavalony izy rehetra"
"ireo izay lavon'ny sabatra" tao amin'ny 32:22.
"izay tsy voafora tamin'izy ireo nidina"
"any amin'ireo toerana lalina ambanin'ny tany" na "any amin'ny tany lalina ao ambanin'ny tany." Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "any amin'ireo faritra farany ambanin'ny tany" tao amin'ny 26:19.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "nitondra horohoro teo amin'ny tanin'ny velona" tao amin'ny 32:22
"izay mahatsiaro menatra" na "izay afa-baraka ankehitriny"
"Nanome fandriana ho an'i Elama sy ireo mpanompony izy ireo"
"miaraka amin'ireo olona hafa rehetra izay maty"
Ireo Egyptiana dia nankahala ny olona tsy voafora.
Mitovy be amin'ilay ampahany voalohany amin'ilay andalana ity. DH: "ireo olona maty dia nanome toerana ho an'i Elama mba handriana eo amin'izy ireo"
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela momban'ireo firenena any amin'ny Fiainan-tsy hita.
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny tafiny rehetra" na 2) "ny mpanompony rehetra"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "manodidina azy ny fasany" tao amin'ny 32:22.
Tsy tahaka an'ireo tsy voafoara hafa, ny vahoaka Meseka sy Tobala dia nalevina araka ny tokony ho izy.
"satria, fony izy ireo mbola velona, dia nampiraiki-tahotra mafy an'ireo mpiady izy ireo"
Yaveh manohy miresaka
DH: "ho potehiko ianao"
DH: "miaraka amin'ireo olona tsy voafora"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 32:24.
"Edoma dia any amin'ny Fiainan-tsy hita miaraka amin'ireo mpanjakany sy ireo mpitariny."
"ireo andriandahy izay nanapaka firenena tany avaratra"
"any amin'ny Fiainan-tsy hita"
"nidina any amin'ny Fiainan-tsy hita"
"niaraka tamin'ireo maty"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "mitondra ny fahafaham-barakany izy ireo, miaraka amin'ireo nidina tao an-davaka" tao amin'ny 32:24.
DH: "Farao dia hijery ny olona maty rehetra avy amin'ireo firenena hafa."
Tiana lazaina eto fa Farao dia ho ampaherezina satria maty ihany koa ireo tafik'ireo mpanjaka lehibe hafa. DH: "ary hampahery ny tenany fa tsy izy irery no mpanjaka izay maty ny tafiny manontolo."
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
DH: "fony Farao mbola velona, dia navelako hampihorohoro vahoaka izy"
Eto ny hoe "miampatra" dia maneho ny vatany apetraka eo amin'ny fasana rehefa maty izy. DH: "ny fatiny dia ho alevina miaraka amin'ireo tsy voafora"
1 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Ry zanak'olona, ambarao amin'ny vahoakanao izao; lazao amin'izy ireo hoe: 'Rehefa mitondra sabatra hanohitra ny tany rehetra Aho, dia haka olona iray amin'izy ireo ny mponin'izany tany izany ka hanao azy ho mpitily ho azy ireo. 3 Mijery ny sabatra efa tamy eo amin'ny tany izy, ary mitsoka ny anjomarany mba hampitandrina ny vahoaka! 4 Raha mandre ny feon'anjomara ny olona nefa tsy mitandrina, ary raha tonga ka mamono azy ireo ny sabatra, dia ho eo an-dohan'ny tsirairay ihany ny ràny. 5 Raha misy olona mandre ny feon'anjomara ka tsy mitandrina, dia ho eo aminy ny ràny; fa raha mitandrina izy, dia hahavonjy ny ainy. 6 Na izany aza, raha hitan'ny mpitily fa tamy ny sabatra, nefa raha tsy mitsoka ny anjomara izy, ary ny vokany dia tsy nampitandremana ny olona, ary raha tonga ny sabatra ka manala ain'olona, dia matin'ny fahotany ihany izany olona izany, fa hadiniko amin'ilay mpitily ny ràny.' 7 Ary ianao, ry zanak'olona! Efa nataoko mpitily ho an'ny ankohonan'Israely ianao; handre ireo teny avy amin'ny vavako ianao ka hampitandrina azy ireo amin'ny anarako. 8 Raha miteny amin'ny ratsy fanahy Aho hoe: 'Ry ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao!' nefa raha tsy manambara izany na mampitandrina ny ratsy fanahy ny amin'ny fanaony ianao, dia ho fatin'ny fahotany izy izay ratsy fanahy, nefa ho takiako amin'ny tananao ny ràny! 9 Nefa ianao, raha mampitandrina ny ratsy fanahy ny amin'ny fanaony, mba hialany amin'izany, ary raha tsy miala amin'ny fanaony izy, dia ho fatin'ny fahotany izy, fa ianao hahavonjy ny ainao. 10 Ary ianao, ry zanak'olona, lazao amin'ny ankohonan'Israely hoe: 'Izao no lazainareo: "Ny helokay sy ny fahotanay dia eo aminay, ary simban'ireo izahay! Ahoana no hahavelona anay?'" 11 Lazao amin'izy ireo hoe: 'Raha velona koa Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—dia tsy mankasitraka ny fahafatesan'ny ratsy fanahy Aho, fa raha mibebaka amin'ny fanaony ny ratsy fanahy, dia ho velona izy! Mibebaha! Mibebaha amin'ny fomba ratsinareo! Fa nahoana no tokony ho faty ianareo, ry ankohonan'Israely?' 12 Koa ankehitriny ianao, ry zanak'olona, lazao amin'ny vahoakanao hoe: 'Ny fahamarinan'ny olo-marina dia tsy hanavotra azy raha manota izy! Ny faharatsian'ny ratsy fanahy tsy hamono azy raha mibebaka amin'ny fahotany izy! Fa tsy afa-hiaina nohon'ny fahamarinany ny olo-marina raha manota izy. 13 Raha miteny amin'ny marina Aho hoe: '"Ho velona tokoa izy!" ary raha mitoky amin'ny fahamarinany izy ka dia manao ny tsy rariny, dia tsy hahatsiaro izay fahamarinany Aho. Ho fatin'ny faharatsiana nataony izy. 14 Koa raha miteny amin'ny ratsy fanahy Aho hoe: "Ho faty tokoa ianao", nefa raha mibebaka hiala amin'ireo fahotany sy manao izay marina sy mahitsy izy— 15 raha mamerina ny antoky ny findramam-bola izay nangatahiny tamim-paharatsiana izy, na raha mamerina izay nangalariny izy, ary raha mandeha amin'ireo lalàna izay mitondra fiainana ka tsy manota intsony—dia ho velona tokoa izy. Tsy ho faty izy. 16 Tsy misy ho tsaroana ireo fahotana izay nataony. Efa nanao ny marina sy mahitsy izy, ka noho izany, dia ho velona tokoa izy! 17 Nefa hoy ny vahoakanao: "Tsy rariny ny fitondran'ny Tompo!" kanefa ny fombanareo no tsy rariny! 18 Raha miala amin'ny fahamarinany ka manota ny olo-marina, dia ho fatin'izany izy! 19 Raha miala amin'ny faharatsiany ny ratsy fanahy ka manao izay mahitsy sy marina, dia ho velona noho ireo zavatra ireo izy! 20 Nefa ianareo vahoaka manao hoe: "Tsy rariny ny fitondran'ny Tompo!" Hitsara ny tsirairay aminareo araka ny lalany avy Aho, ry taranak'Israely!'" 21 Ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo, tamin'ny andro fahadimin'ny volana fahafolon'ny fahababoantsika, no nisy mpitsoa-ponenana tonga teo amiko avy tany Jerosalema ka nanao hoe: "Babo ilay tanàna!" 22 Teo amiko ny hariva nialohan'ny nahatongavan'ilay mpitsoa-ponenana ny tanan'i Yaveh, ary ny vavako dia nisokatra tamin'ny fotoana izay nahatongavany teo amiko tamin'ny mangiran-dratsy. Koa dia nisokatra ny vavako; tsy moana intsony aho! 23 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 24 "Ry zanak'olona, ireo monina amin'ireo rava ao amin'ny tanin'Israely dia miresaka ka manao hoe: 'Olona iray ihany Abrahama, ary nandova ilay tany izy, nefa maro isika! Nomena antsika mba ho fananana ilay tany.' 25 Noho izany lazao amin'izy ireo hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Mihinan-drà ianareo, ary manandratra ny masonareo any amin'ireo sampinareo, avy eo dia nandraraka ràn'olona ianareo. Tokony hanana ny tany tokoa ve ianareo? 26 Efa niankina tamin'ireo sabatrareo ianareo ary efa nanao zavatra maharikoriko; ny lehilahy tsirairay dia mandoto ny vadin'ny mpiara-monina aminy. Tokony hahazo ny tany tokoa ve ianareo?' 27 Izao no ho lazainao amin'izy ireo: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Raha velona koa Aho, dia ho lavon-tsabatra marina tokoa ireo olona ao amin'ireo rava, ary ireo izay any an-tsaha dia homeko ho an'ireo zava-manan'aina ho sakafo, ary ireo izay ao amin'ny fiarovana mafy sy any an-dava-bato dia ho fatin'ny areti-mandringana. 28 Dia havadiko ho lao sy horohoro ny tany, ary hifarana ny avonavon'ny herin'izany, fa ho ngazana ireo tendrombohitr'Israely, ka tsy hisy na iza na iza handalo eo amin'ireo.' 29 Dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh, rehefa manao ny tany ho lao sy horohoro nohon'ny fahavetavetana rehetra nataon'izy ireo Aho. 30 Koa ankehitriny ianao, ry zanak'olona—ny vahoakanao dia milaza zavatra momba anao eo akaikin'ireo manda sy ireo vavahadin'ny trano, ary ny tsirairay mifampilaza—ny tsirairay amin'ny rahalahiny hoe: 'Ndeha isika handeha ary hihaino ny tenin'ny mpaminany izay avy amin'i Yaveh!' 31 Koa ho tonga eo aminao ny vahoakako, tahaka izay fanaony matetika, ka hipetraka eo anatrehanao ary hihaino ireo teninao, nefa tsy hankatoa ireny izy ireo. Ireo teny marina no eo am-bavan'izy ireo, nefa ny fony dia manaraka tombony tsy ara-drariny. 32 Fa tahaka ny hira tsara ho azy ireo ianao, feo mahafinaritra izay notendrena tsara tamin'ny lokanga, koa dia hihaino ireo teninao izy ireo, nefa tsy hisy amin'izy ireo hankatoa izany. 33 Koa rehefa mitranga izany rehetra izany—indro! hitranga izany! —dia ho fantatr'izy ireo fa nisy mpaminany teo aminy."
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
Ny teny hoe "sabatra" dia maneho ny tafika fahavalo izay manafika.
"hanendry azy ho mpiambina" na "hanao azy ho mpiambina"
"tsy miraharaha an'ilay fampitandremana"
Ity fehezanteny ity dia mamaritra ny fomba hihazonan'Andriamanitra azy ireo ho tompon'andraikitra amin'ny fahafatesan'izy ireo manokana. DH: "hadisoan'izy ireo ihany raha maty izy ireo."
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo Israelita.
DH: "ho fahadisoany ihany ny fahafatesany"
"hihazona ny ainy tsy ho amin'ny fahafatesana"
Ny teny hoe "sabatra" dia maneho ny tafika fahavalo.
"tonga ny sabatra ary mamono na iza na iza"
"izany olona izany dia maty nohon'ny fahotany manokana"
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
DH: "avy amiko"
"hampitandrina azy ireo amin'ny maha-mpisolo-tena Ahy" na "hanome azy ireo ny fampitandremana avy amiko"
"tsy milaza izany"
"ny amin'ny fomba fanaony" na "ireo zavatra ataony."
Tiana lazaina eto fa Andriamanitra dia tsy hamela ireo fahotan'ity olona ity. Na izany aza, ny sasany amin'ireo dikateny amin'izao dia mandika hoe "noho ireo fahotany"
Jereo ny fomba nandikanao ity fehezanteny ity tao amin'ny 3:16.
"tsy mitsahatra manao ny fomba ratsiny" na "tsy mitsahatra manao zavatra ratsy"
"ho nihazona ny ainao ho velona"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo Israelita.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
DH: "izao no nolazainareo"
Ireo mety ho heviny dia 1) mahatsapa ho meloka amin'ny heloka sy fahotany izy ireo na 2) tsapan'izy ireo fa Yaveh dia manasazy azy ireo noho ireo heloka sy fahotan'izy ireo.
"lo noho izy ireo izahay." Ity fehezanteny ity dia mampitaha ny fomba hanimban'ny fahotana ny vahoaka amin'ny fomba maha-lo ny nofo. DH: "mamotika anay izy ireo" na "mamono anay izy ireo."
Tiana lazaina eto fa ny vahoaka dia mhafantatra fa tsy hamela azy ireo Andriamanitra. Na izany aza, ny sasany amin'ireo dikateny amin'izao dia mandika hoe "noho izy ireo"
Mametraka ity fanontaniana ity ny vahoaka mba hanamafisana fa tsy manana fanantenana ny ho velona izy ireo. DH: "tsy manana fanantenana ny amin'ny fahavelomana izahay" na "ho faty tokoa izahay."
Jereo ny fomba nandikanao ity fehezanteny ity tao amin'ny 5:11.
Jereo ny fomba nandikanao ity fehezanteny ity tao amin'ny 5:11.
"raha mitsahatra tsy manao zavatra ratsy ny olona ratsy fanahy"
Mampiasa ity fanontaniana ity Yaveh mba hanamafisana fa tsy tiany ho faty ny vahoakan' Israely. DH: "Aza misafidy ny ho faty."
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo Israelita.
DH: "raha manomboka manota ny olo-marina, dia tsy hahavonjy azy ireo ny naha-olo-marina azy ireo teo aloha"
"raha miankina amin'ny fahamarinany izy." Mihevitra ilay olona fa satria marina izy dia tsy hanasazy azy i Yaveh, na dia manota aza izy.
"manao izay ratsy" na "manao zavatra ratsy"
"noho ireo zavatra ratsy izay nataony"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo Israelita.
zavatra izay avelan'ny olona iray amin'ny olona hafa mba hampisehoana fa hihazona ny fampanantenany hamerina izay nindraminy izy.
"mandoa ny lanjan'izay nangalariny"
DH: "miaina araka ireo lalàna izay manome fiainana"
DH: "tsy ho hazoniko manohitra azy ny fahotany rehetra"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo Israelita.
Ireo vahoakan'Israely ireto. Ny teny hoe "anao" dia maneho an'i Ezekiela.
Ny teny hoe "anareo" dia maneho ny vahoakan' Israely. DH: "kanefa fomban'izy ireo izany"
"ho faty noho ilay fahotana"
DH: "mitsahatra tsy manao zavatra ratsy"
"satria manao izay mahitsy sy marina izy"
Ny vahoakan'Israely ity.
Ity dia volana fahafolo amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahadimy dia manakaiky ny fiantombohan'ny Janoary amin'ny tetiandro Tandrefana.
Eto ny hoe "isika" dia maneho an'i Ezekiela sy ireo Israelita izay tany Babylona hatramin'ny fotoana naneren'ireo Babyloniana an'i Joiakima mpanjaka mba handao an'i Jerosalema. DH: "taorian'ny naha-lasa babo antsika" na "taorian'ny nangalan'ireo Babyloniana antsika ho babo any Babylona"
"nisy olona nitsoaka avy any Jerosalema ary tonga teo amiko." Ireo Babyloniana dia nandrava an'i Jerosalema ary namono ny vahoakan'i Jerosalema, fa vitsy ny olona nitsoaka.
DH: "noravain'ireo Babyloniana ilay tanàna." Ny hoe "ilay tanàna" dia maneho an'i "Jerosalema"
Ny "mangiran-dratsy" dia ilay fotoana vao maraina rehefa vao miposaka ny hazavan'ny masoandro.
DH: "nosokafan'i Yaveh ny vavako." Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "nosokafako ny vavanao" tao amin'ny 3:26.
"tsy tsy afaka niresaka intsony aho" na "afaka niteny aho izao." Ezekiela dia tsy afaka niteny na inona na inona ankoatry ny teny faminaniana hatrao amin'ny 3:26.
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Ireo mety ho heviny dia "ireo trano rava lehibe" na "ireo tanàna rava ireo"
DH: "nomen'i Yaveh antsika ilay tany"
DH: "mba ho afaka hanao fananana izany isika" na "ho lova." Tian'izy ireo ambara fa satria nisy maro be tamin'izy ireo, dia tokony hanao fananana izany izy ireo.
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela momban'ny vahoaka izay nipetraka tao amin'ireo ravan'Isrely.
Tiana lazaina fa mihinana rà izy ireo amin'ny fihinanana hena izay mbola misy rà ao anatiny. Yaveh dia nandidy azy ireo mba handatsaka ny rà. DH: "mihinana hena misy rà ao anatiny ianareo."
"mijery ny sampinareo ianareo." Ity dia midika hoe "manompo ny sampinareo ianareo" (UDB)
DH: "mandatsa-drà ianareo." Ity dia midika hoe "mamono olona ianareo."
Mampiasa ity fanontaniana ity Yaveh mba hitenenana mafy ny vahoaka. DH: "Tsy tokony hahazo ity tany ity ianareo" na "tsy mendrika anareo ity tany ity."
DH: "efa nampiasa ny sabatrareo mba hahazoana izay tianareo ianareo"
DH: "nanao zavatra izay tena halako mafy"
Tiana lazaina fa izy ireo dia mandoto ireo vadin'ny mpiara-belona aminy amin'ny fiarahana mandry amin'izy ireo.
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela momban'ny vahoaka izay nipetraka tany amin'ireo ravan'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
"hamono ny vahoaka izay mipetraka any amin'ny fiarovana mafy sy lava-bato ny areti-mandringana"
Ny fiarovana mafy dia trano be izay atsangan'ny olona mba hiarovana ny tenan'izy ireo amin'ireo fahavalo izay manafika azy ireo.
Ny lava-bato dia lavaka voajanahary any amin'ny sisin'ny tendrombohitra na ambanin'ny tany. Vita amin'ny vatolampy ireo matetika.
Ny "horohoro" dia zavatra izay mahatonga ny olona hatahotra mafy rehefa mahita izany izy ireo. DH: "ary hatahotra noho izany ny vahoaka"
Ny teny hoe "izany" dia maneho an'ilay tany, izay maneho ny vahoakan'ilay tany. Fandikana hafa: "tsy hirehareha hoe matanjaka intsony ny vahoakan'ilay tany"
"tsy hisy hipetraka ao amin'ireo tendrombohitr' Israely"
"tsy hisy na iza na iza ho tavela handalo eo amin'ilzay tany na eo amin'ireo tendrombohitra"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
"nataon'ireo olon"
"ny zavatra rehetra nataon'izy ireo izay halako"
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
DH: "izay alefan'i Yaveh" na "izay omen'i Yaveh azy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ao am-bavan'izy ireo ny teny mahafinaritra" na 2) "ao am-bavan'izy ireo ny teny feno filàna. DH: "amin'ny vavan'izy ireo dia milaza fa tia Ahy izy ireo (UDB) na "amin'ny vavan'izy ireo dia miresaka momban'ireo zavatra izay ilainy izy ireo."
DH: "ao am-pon'izy ireo dia mila mahazo ny tombon'izy tsy ara-drariny izy ireo" na "te-hahazo zavatra amin'ny fomba tsy rariny izy ireo." Mety manao izany amin'ny alalan'ny fangalarana zavatra na famitahana olona izy ireo.
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela momban'ny vahoakan'Israely.
DH: "mihevitra izy ireo fa tahaka ny hira tsara ianao" na "mihevitra izy ireo fa tahaka ny hira tsara ny teninao"
Ireo mety ho heviny dia 1) "hira mahafinaritra" na 2) "hiram-pitiavana" na "hira momban'ny fitiavana."
DH: "izay lalaovin'ny olona tsara amin'ny lokanga"
Ny teny hoe "izany" dia maneho ny zavatra rehetra izay nolazain'Andriamanitra fa hitranga sy nolazain'i Ezekiela tamin'ny vahoaka.
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy manamafy an'izay manaraka eo. DH: "eny tokoa!"
DH: "fa tena nandefa anao ho mpaminany tokoa Aho"
1 Avy dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Ry zanak'olona, maminania manohitra ireo mpiandry ondrin'Israely. Maminania ary lazao izy ireo hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh amin'ireo mpiandry ondry: Loza ho an'ireo mpiandry ondrin'Israely izay miandry ny tenan'izy ireo ihany. Moa ve tsy tokony hiandry ny ondry aman'osy ny mpiandry ondry? 3 Mihinana ny ampahan'ny matavy ianao ary mitafy volon'ondry. Mamono ny matavin'ny ondry ianao. Tsy miandry ondry akory ianao. 4 Tsy nanamafy ireo izay manana aretina ianao, na nanasitrana an'ireo izay marary. Tsy manambatra ireo izay tapaka ianao, ary tsy mamerina izay voaroaka na mitady ny very. Fa kosa, manapaka eo amin'ireo amin'ny alalan'ny hery sy herisetra ianao. 5 Avy eo dia niparitaka tsy nisy mpiandry izy ireo, ary lasa sakafo ho an'ny bibidia eny an-tsaha, taorian'ny nanaparitahana azy ireo. 6 Nirenireny teny amin'ny tendrombohitra rehetra sy ny havoana rehetra ny ondriko, ary voaely nanerana ny tany izany. Nefa tsy mbola misy olona mitady ireo. 7 Noho izany, ry mpiandry ondry, henoy ny tenin'i Yaveh: 8 Raha mbola velona koa Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—satria lasa babo sy sakafo ho an'ny bibidia rehetra eny an-tsaha ny ondriko, satria tsy nisy mpiandry ondry ary tsy nisy tamin'ireo mpiandry ondriko nitady ny ondriko, fa niambina ny tenany ihany ireo mpiandry ondry fa tsy niandry ny ondriko. 9 Noho izany, ry mpiandry ondry, henoy ny tenin'i Yaveh: 10 Tompo Yaveh milaza izao: Indro! manohitra ireo mpiandry ondry Aho, ary hitaky ny ondriko eo an-tanan'izy ireo Aho. Avy eo dia ho roahiko amin'ny fiandrasana ny ondry izy ireo; na ny mpiandry ondry aza tsy hiandry ny tenan'izy ireo intsony satria hanala ireo ondriko tsy ho eo amin'ny vavan'izy ireo Aho, mba tsy ho sakafon'izy ireo intsony ny ondriko. 11 Fa ny Tompo Yaveh milaza izao: Indro! Hitady ny ondriko Aho ary hikarakara ireo, 12 tahaka ny mpiandry ondry mitady ny ondriny amin'ny andro rehefa eo afovoan'ny ondriny miparitaka izy. Noho izany dia hitady ny ondriko Aho, ary hamonjy azy ireo amin'ny toerana rehetra izay nanaparitahana azy ireo amin'ny andron'ny rahona sy ny fahamaizinana. 13 Avy eo ho entiko mivoaka avy eo amin'ireo vahoaka izy ireo; hangoniko any amin'ny tany ireo ary ho entiko any amin'ny tanin'izy ireo. Hametraka azy ireo eny amin'ny tanin' ahitrin'ireo moron-tendrombohitr'Israely, amin'ny renirano, ary any amin'ny fonenana rehetra ao amin'ny tany Aho. 14 Hametraka ireo any amin'ny ahitra tsara Aho; ny tendrombohitra avon'Israely no ho fitoeram-bilony. Handry eo amin'ireo toerana tsara firaofam-bilona ireo, any amin'ny tany feno ahitra, ary hiraoka eny amin'ny tendrombohitr'Israely izy ireo. 15 Izaho mihitsy no hiandry ny ondriko, ary izaho mihitsy no hampandry azy ireo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh— 16 Hitady ny very Aho ary hamerina izay noroahina. Hamehy ireo ondry tapaka Aho ary hanasitrana ny ondry marary fa ny matavy sy ny mafy dia ho ringaniko. Hiandry ondry ara-drariny Aho 17 Koa ankehitriny ianao, ry ondriko— izao no lazain'ny Tompo Yaveh—indro, ho mpitsara eo amin'ny ondry sy ondry Aho ary eo amin'ireo ondry lahy sy osy lahy. 18 Moa ve tsy ampy hohanina ny ahitra tsara, no tsy maintsy hitsakitsahinao amin'ny tongotrao ny sisa tavela amin'ilay ahitra; ary ho sotroina ny rano madio, no tsy maintsy lotoinao ho fotaka amin'ny tongotrao ny renirano? 19 Moa ve ny ondriko tsy maintsy mihinana izay nitsakitsahinao tamin'ny tongotrao, ary misotro izay nolotoinao ho fotaka tamin'ny tongotrao? 20 Noho izany ny Tompo Yaveh dia milaza izao amin'izy ireo: Indro Izaho mihitsy no hitsara eo amin'ireo ondry matavy sy ireo mahia, 21 satria ianareo efa nanositosika azy ireo tamin'ny tehezanareo sy sorokareo, ary efa notrongisinareo tamin'ny tandrokareo ireo malemy nandra-panaparitakareo azy ireo nivoaky ny tany. 22 Hamonjy ny ondriko Aho ary tsy ho babo intsony ireo, ary hitsara eo amin'ny ondry iray sy iray hafa Aho! 23 Hametraka mpiandry ondry iray eo amin'izy ireo Aho, dia Davida mpanompoko. Hiandry azy ireo izy, hanome hanina azy ireo, ary ho mpiandrin'izy ireo. 24 Fa Izaho, Yaveh, ho Andriamanitr'izy ireo, ary Davida mpanompoko dia ho andriana eo amin'izy ireo— Izaho, Yaveh, no efa nanambara izany. 25 Dia hanao fanekem-pihavanana amin'izy ireo Aho ary hanala ireo bibidia masiaka avy amin'ny tany, mba hahafahan'izy ireo miaina am-pilaminana any amin'ny tany efitra ary hatory soa aman-tsara any amin'ireo ala. 26 Izaho dia hitondra fitahiana amin'izy ireo sy amin'ireo toerana manodidina ny havoanako, satria handefa orana amin'ny andro voatondro Aho. Ho oran'ny fitahiana izany. 27 Dia hamokatra ireo voany ny hazon'ny saha, ary ny tany dia hanome alalana ny vokany. Ho voaaro ao amin'ny tanin'izy ireo ny ondriko; dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh, rehefa manapaka ireo hidin'ny ziogan'izy ireo Aho, sy rehefa manavotra azy ireo avy amin'ny tanan'ireo izay nanandevo azy ireo. 28 Tsy ho babo ho an'ireo firenena intsony izy ireo, ary tsy handrapaka azy ireo intsony ireo bibidia ambonin'ny tany. Fa hiaina am-pilaminana izy ireo, ary tsy hisy na iza na iza hampitahotra azy ireo. 29 Fa hanamboatra toerana fambolena milamina ho azy ireo Aho mba tsy ho fatin'ny hanoanana intsony izy ireo ao amin'ilay tany, ary ireo firenena tsy hitondra faniratsirana amin'izy ireo. 30 Dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho, Yaveh Andriamanitr'izy ireo, dia miaraka amin'izy ireo. Izy ireo no oloko, ny ankohonan'Israely—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 31 Fa ianareo no ondriko, ondry aman'osin'ny ahitro, ary oloko, ary Izaho no Andriamanitrareo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.'"
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Ity dia mampitaha an'ireo mpitarik'Israely izay heverina hikarakara ny vahoakan'izy ireo amin'ireo mpiandry ondry izay heverina hikarakara ny ondriny. DH: "ireo mpitarik'Israely izay toy ny mpiandry ondry"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 21:8.
DH: "mamahana sy mikarakara ny tenan'izy ireo."
Mampiasa ity fanontaniana ity Yaveh mba hibedesana an'ireo mpitarika nohon'ny tsy fikarakarana ny vahoaka. DH: "ny mpiandry ondry dia tokony mamahana ny ondry sy mikarakara izany."
Tiana lazaina fa ireo ampahany matavy dia avy amin'ny ondry sy ireo osy. DH: "mihinana ny ampahany matavy amin'ny ondry sy osy ianao" na "mihinana ny ampahany tsara indrindra amin'ny ondry sy osy ianao."
DH: "mamono ny matavin'ny ondry ianao mba hahafahanao mihinana ireo"
"ny ondry sy osy salama indrindra" na "ny ondry sy osy matavy indrindra"
"tsy mamahana sy mikarakara ny ondry"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo mpitarik'Israely.
Ireo mety ho heviny dia 1) "marary" na 2) "malemy"
"tsy mamono lamba manodidina ny ratra sy ny taolana tapaka ianao"
"ny ondry izay nenjehana" na "ny ondry maleny izay nenjehan'ireo ondry matanjaka kokoa"
DH: "ny ondry na osy izay very" na "ireo izay nirenireny"
"an-katerena sy amin'ny fomba feno habibiana"
"satria izy ireo tsy nanana mpiandry." DH: "satria ianao tsy nanao izay tokony ataon'ny mpiandry ondry."
DH: "ireo bibidia rehetra dia afaka manafika sy mihinana azy ireo"
"naely nanerana ny tany rehetra ny ondirko"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany ho an'ireo mpitarik'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh" tao amin'ny 5:11.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
"satria ireo bibidia teny an-tsaha afaka nangalatra ny ondriko sy nihinana ireo"
zavatra izay nangalarina. DH:"mora angalarina" na "mora vonoina"
"satria tsy nanana mpiandry ondry izy ireo"
"tsy nisy niezaka nitady ny ondriko ireo mpiandry ondriko"
"namahana sy nikarakara ny tenan'izy ireo"
"tsy namahana sy nikarakara ny ondriko"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany ho an'ireo mpitarik'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 34:7.
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy manamafy an'izay manaraka. DH: "eny tokoa!"
DH: "hanasazy an'ireo mpiandry ondry Aho."
DH: "ho hazoniko tompon'andraikitra amin'ireo zavatra ratsy rehetra izay mitranga amin'ny ondriko izy ireo" na "hanasazy azy ireo noho ireo zavatra ratsy rehetra izay avelan'izy ireo hitranga amin'ny ondriko Aho."
"tsy ho avelako hiandry ny ondry intsony izy ireo" na "tsy ho avelako ho mpiandry ny ondry intsony izy ireo"
"hamahana sy hikarakara ny tenan'izy ireo"
DH: "mba tsy hahafahan'izy ireo mihinana azy ireo"
"tsy hihinana ny ondry sy ireo osy amin'ny ondry aman'osiko intsony ireo mpiandry ondry"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany ho an'ireo mpitarik'Israely.
Ny teny hoe "indro" eto dia manaitra an'ireo mpiandry ondry mba hifantoka amin'ny fampahafantarana manaitra izay manaraka.
"miaraka amin'ireo ondriny miparitaka"
Ny ondry dia tsy eo amin'ny toerana iray ihany. Ny ondry sy ny osy dia eny amin'ny toerana samihafa izay maha-very sy mampidi-doza azy ireo.
"amin'ny andro mandrahona sy maizina." Ity dia maneho ny fotoana hitrangan'ireo loza maro. DH: "rehefa nitranga tamin'izy ireo ny loza mahatsiravina"
"ho entiko ireo ondry aman'osiko"
avy eo amin'ireo toerana izay nipetrahan'izy ireo niaraka tamin'ny vahoaka hafa"
tany izay misy bozaka sy zava-maniry madinika izay afaka hohanin'ny ondry sy ireo osy
toerana izay ipetrahan'ny olona. Matetika izy ireo mipetraka amin'ny trano eo amin'ny fonenana iray. DH: "zana-bohitra"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany ho an'ireo mpitarik'Israely.
"toerana izay afaka hihinanan'izy ireo"
tany izay feno bozaka sy zava-maniry.
hihinana bozaka sy zava-maniry hafa
Ny teny hoe "mihitsy" dia manampy manamafy. Hanao ity Andriamanitra satria tsy nanao izany araka ny tokony ho izy ireo mpiandry ondry.
"hamahana sy hikarakara"
"hamela azy ireo handry"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
"ireo izay very." DH: "ny ondry sy osy rehetra izay very"
DH: "hampiverina an'ireo izay nohenjehina"
"hamono lamba manodidina ny taolan'ny ondry rehetra izay tapaka" na "hamono lamba manodidina ny ratran'ny ondry rehetra"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany. Amin'izao izany dia amin'ny vahoakan'Israely.
Ny teny hoe "indro" dia manampy manamafy an'izay manaraka. Fandikana hafa: "eny tokoa"
"hitsara eo amin'ny ondry, ondry lahy, ary osy vavy Aho"
Ny ondry lahy sy osy matetika no matanjaka indrindra amin'ny ondry aman'osy ary afaka mahazo an'izay rehetra tian'izy ireo avy any amin'ireo biby hafa ao amin'ny andiany.
Ity no fiantombohan'ny fanontaniana izay ampiasain'Andriamanitra mba hibedesana an'ireo matanjaka satria ratsy fanahy amin'ireo malemy izy ireo.
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy manamafy an'izay manaraka. Fandikana hafa: "eny tokoa!"
Ny teny hoe "mihitsy" dia manamafy fa Yaveh no hitsara.
"haka antoka fa mifampitondra ara-drariny ny ondry sy ireo osy matavy ary ireo ondry sy osy mahia"
Ny teny hoe "ianareo" dia maneho ny ondry sy osy izay tsy nitondra tsara an'ireo ondry sy osy hafa.
"tamin'ny tehezam-batanareo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "nanosika" na 2) "nanindrona" na "nandefona"
"nampandeha azy ireo ho any amin'ny lalana samihafa"
"nivoaky ny tanin'Israely"
"zavatra izay nangalarina." Ireo mpiandry ondry sy ireo bibidia dia nangalatra ny ondry sy osy tamin'ny ondry aman'osin'i Yaveh.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "ho mpitsara eo amin'ny ondry sy ondry Aho" tao amin'ny 34:17.
"hanendry mpiandry ondry iray hiandraikitra ny ondriko sy ireo osiko Aho"
Yaveh niteny hoe "Davida" mba hanehoana ny taranak'i Davida. DH: "taranak'i Davida mpanompoko."
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 11:19.
"ho mpanapaka azy ireo"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:15.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny vahoakan'Israely.
"fanekena izay mitondra fihavanana"
Ireo da bibidia izay afaka mamono ny ondry sy ireo osy.
Ireo dikateny amin'izao sasany dia mandika hoe "hamadika azy ireo sy ireo toerana manodidina ny havoanako ho fitahiana ihany koa Aho."
"amin'ny fotoana mety"
"homena ho fitahiana io orana io"
"hamokatra sahafo ny tany" DH: haniry eo amin'ny tany ny sakafo
"hilamina"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
"hidy izay mampitambatra ny ziogan'izy ireo"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny vahoakan'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "babo" tao amin'ny 7:20.
Ireo mety ho heviny dia 1) "saha izay afaka hiadanan'izy ireo" na 2) "saha izay halaza"
DH: "noana" na "noana nohon'ny tsy fahampian'ny sakafo"
DH: "Izaho, Yaveh Andriamanitr'izy ireo, dia manampy azy ireo"
DH: "ary oloko izy ireo"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
DH: "ho Andriamanitrareo Aho"
1 Ary tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Ry zanak'olona, ampanatreho ny Tendrombohitra Seïra ny tavanao ary maminania manohitra izany. 3 Lazao amin'izany hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Indro! Manohitra anao Aho, ry Tendrombohitra Seïra, ary hamely anao amin'ny tanako Aho ary hanao anao ho lao sy horohoro. 4 Ho ataoko rava ireo tanànanareo, ary ianareo dia ho lasa faharavàna; avy eo dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh. 5 Satria fahavalo teo amin'ny vahoakan'Israely mandrakariva ianareo, ary satria nandefa azy ireo teo an-tanan'ny sabatra ianareo tamin'ny fotoan'ny fahorian'izy ireo, tamin'ny fotoan'ny naha-lehibe ny sazin'izy ireo. 6 Noho izany, raha mbola velona koa Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—dia hanomana anareo ho amin'ny fandatsahan-drà Aho, ary hanenjika anareo ny fandatsahan-drà! Satria tsy nankahalainareo ny fandatsahan-drà, dia hanenjika anareo ny fandatsahan-drà. 7 Ho ataoko faharavana tanteraka ny Tendrombohitra Seïra rehefa hanala avy amin'izany izay rehetra mandalo eo sy miverina eo amin'izany Aho. 8 Dia ho fenoiko amin'ny lohan'izy ireo ny tendrombohitr'izany. Ireo havoana avonareo sy ireo lohasaha ary ireo loharanonareo rehetra—ireo izay matin'ny sabatra dia hianjera ao amin'ireo. 9 Ho ataoko faharavana mandrakizay ianareo. Tsy hisy mponina ireo tanànanareo, fa ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh. 10 Ianao efa nilaza hoe: "Ireo firenena roa ireo sy ireo tany roa ireo dia ho ahy, ka hanana azy ireo ho fananana isika," na dia niaraka tamin'izy ireo aza i Yaveh. 11 Noho izany, raha mbola velona koa Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—dia hanao araka ny hatezeranao sy araka ny fialonana izay nanananao tamin'ny fankahalanao an'Israely Aho, ary haneho ny tenako amin'izy ireo Aho rehefa mitsara anao. 12 Ka ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh. Efa nandre ireo faniratsirana izay noteneninareo tamin'ireo tendrombohitr'Israely Aho, rehefa niteny ianareo hoe: "Efa rava izy ireo; efa nomena teo aminay mba ho arapaka izy ireo." 13 Efa nanandratra ny tenanareo tamiko tamin'izay nolazainareo ianareo, ary nampitombo ireo teny nanoheranareo Ahy; ary reko izany rehetra izany. 14 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ho ataoko rava ianareo, raha mbola mifaly ny tany manontolo. 15 Raha mbola mifaly eo amin'ny lovan'ny olon'Israely nohon'ny faharavany ianareo, dia ho ataoko aminareo koa izany. Ho tonga faharavana ianao, ry Tendrombohitra Seïra, ary Edoma rehetra—izany rehetra izany! Dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh.""
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 4:1.
"ny tendrombohitr'i Seira." Ity dia maneho ny vahoaka izay nipetraka tany Edoma satria nipetraka tany amin'ny tendrombohitra mitohitohin'i Seira izy ireo. DH: "ny vahoakan'i Edoma" na "ny vahoaka any amin'ireo tendrombohitra Seira"
"amin'ilay tendrombohitra" na "amin'ny vahoakan'i Edoma"
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy manamafy an'izay manaraka. Fandikana hafa: "eny tokoa!"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 21:1.
DH: "efa naninjitra ny tanako taminao Aho." Ity dia midika hoe "efa mby hanafika anao Aho"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 33:27.
Ity dia manohy ny hafatr'i Yaveh amin'ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
Ireo mety ho heviny dia 1) "natolotrareo an'ireo fahavalon'izy ireo izay namono azy ireo tamin'ny sabatra izy ireo" na 2) "novonoinareo tamin'ny sabatra izy ireo"
"tamin'ny fotoana nampahory azy ireo"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
"hanomana anareo ho very rà Aho." Ity dia maneho ny faharatrana na fahafatesana. DH: "hemela ny fahavalonareo hamono mafy ny maro aminareo Aho"
Yaveh dia maneho ny fandatsahan-drà toy ny olona izay afaka manenjika azy ireo. DH: "hanohy hamono anareo ny fahavalonareo"
DH: "satria tsy nankahala izany ianareo rehefa novonoina mafy ny olona hafa."
Ity dia manohy ny hafatr'i Yaveh amin'ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira.
Ireo mety ho heviny dia 1) "handrava na iza na iza miditra sy mivoaka amin'izany Aho" (UDB) na 2) "ho ataoko izany mba tsy hivezivezy eo amin'izany ny olona"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 31:17.
"lo mandrakizay." Ity dia fanaomboana resaka mba hanamafisana ilay faharavana.
Mety ho fanatomboana resaka izany mba ho fanamafisana. DH: "tsy hipetraka ao amin'ireo tanànanareo ny vahoaka"
Andriamanitra dia miresaka amin'ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira, fa tsy amin'ny tendrombohitra tokana.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
Ity dia manohy ny hafatr'i Yaveh amin'ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira.
Ny teny hoe "ianao" dia maneho ny tendrombohitra Seira izay misolo-tena ny firenen'i Edoma.
ny hoe "isika" dia maneho ny vahoakan'i Edoma.
Tiana lazaina eto fa Yaveh dia niaro an'Israely sy Joda. DH: "fa Yaveh dia teo niaro an'Israely sy Joda"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Ireo mety ho heviny dia 1) "hanasazy anao nohon'ny hatezeranao sy ny fialonanao Aho" na 2) "hanao zavatra aminao amin-katezerana Aho tahaka ny hatezeranao sy amim-pialonana tahaka ny fialonanao."
Ity dia manohy ny hafatr'i Yaveh amin'ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
DH: "ny tendrombohitr'Israely dia ho arapakay" na "eto izy ireo mba ho fehezinay" na "afaka maka izay rehetra tianay amin'izy ireo izahay"
Ity dia manohy ny hafatr'i Yaveh amin'ny vahoakan'ny Tendrombohitra Seira.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:10.
Ny teny hoe "ianareo" dia maneho "ny tendrombohitr'i Seira," izay misolo-tena ny tanin'i Edoma. DH: "ho ataoko rava ny taninareo"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ho ataoko rava ny taninareo" na 2) "hifaly Aho rehefa rava ny taninareo" na 3) "ho ataoko mifaly nohon'ny faharavanareo ny vahoaka hafa"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 35:1.
Ny teny hoe "izy ireo" dia mety maneho ny 1) "ny vahoakan'ny tany" na 2) "ny vahoakan'Israely sy Joda."
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
1 "Ankehitriny ianao, ry zanak'olona, maminania amin'ireo tendrombohitr'Israely ary lazao hoe: 'Ry tendrombohitr'Israely, henoy ny tenin'i Yaveh. 2 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Efa niresaka momba anareo ny fahavalo hoe: "Hia!" ary "Lasa fanananay ireo toerana avo fahagola."' 3 Noho izany maminania ary lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Nohon'ny faharavanareo sy nohon'ny fanafihana izay tonga teo aminareo avy any amin'ny lafiny rehetra, dia efa lasa fananan'ireo firenen-kafa ianareo; efa lasa foto-kevitry ny molotra sy ny lela mpanendrikendrika ianareo, ary tantaran'ny olona. 4 Noho izany, ry tendrombohitr'Israely, henoy ny tenin'ny Tompo Yaveh: Izao no lazain'ny Tompo Yaveh amin'ireo tendrombohitra sy ireo havoana avo, amin'ireo lohasahan-driaka sy ireo lohasaha, amin'ireo mponin'ny faharavana sy ny tanàna haolo izay efa lasa babo sy foto-kevitry ny faniratsirana ho an'ireo firenen-kafa izay manodidina azy ireo— 5 noho izany ny Tompo Yaveh dia milaza izao: Efa niresaka tao amin'ny afom-pahatezerako monohitra ireo firenen-kafa tokoa Aho, manohitra an'i Edoma sy ireo rehetra izay naka ny taniko ho an'ny tenany ho fananana, manohitra ny rehetra izay samy nifaly tao am-pony sy nanao tsinotsinona tao amin'ny fanahin'izy ireo, araka ny nakan'izy ireo ny taniko izay mety hanambaran'izy ireo ny tanin'ahiny ho an'ny tenan'izy ireo.' 6 Noho izany, maminania amin'ny tanin'Israely ary lazao amin'ireo tendrombohitra sy ireo havoana avo, amin'ny lohasahan-driaka sy ireo lohasaha hoe: 'izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Indro! Anatin'ny fahavinirako sy ny fahatezerako no anambarako izany satria nitondrana ny faniratsiran'ny firenena ianareo. 7 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Izaho mihitsy no hanandratra ny tanako hianiana fa ireo firenena izay manodidina anareo dia hitondra ny fahafam-barakany manokana tokoa. 8 Fa ianareo, ry tendrombohitr'Israely, hitombo sampana sy hamokatra ho an'Israely vahoakako ianareo, satria hiverina aminareo tsy ho ela izy ireo. 9 Fa indro, momba anareo Aho, ary mitondra anareo an-kasitrahana; ho asaina sy ho fafazana amin'ny voa ianareo. 10 Koa hampitombo tendrombohitr'olona eo aminareo Aho ao amin'ny ankohonan'Israely rehetra, izany rehetra izany. Hisy mponina ireo tanàna ary harenina indray ireo rava. 11 Hampitombo ny olona sy ny bibidia eo aminareo Aho ry tendrombohitra mba hitombo sy hahavokatra izy ireo. Dia hahatonga anareo hisy mponina tahaka anareo teo aloha Aho, ary ho hambiniko mihoatra noho ireo vitanareo taloha ianareo, hahafantaranareo fa Izaho no Yaveh. 12 Hitondra olona Aho, ry Israely vahoakako, mba handeha eo aminareo. Ho fananan'izy ireo ianao, ka ho lovany, ary tsy hahatonga ny zanak'izy ireo ho faty intsony ianao. 13 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Satria izy ireo milaza aminareo hoe: "Mandevona olona ianao, ary efa maty ny zanaky ny firenenao," 14 noho izany dia tsy handevona olona intsony ianareo, ary tsy hanao ny firenenareo hisaona ny fahafatesan'izy ireo intsony. Izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 15 Na koa hamela anareo handre ny faniratsiran'ny firenena intsony Aho; tsy hitondra ny henatry ny olona intsony ianareo na hahatonga ny firenenareo ho lavo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh."' 16 Ary dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 17 "Ry zanak'olona, rehefa nonina tamin'ny taniny ny ankohonan'Israely, dia nandoto izany tamin'ireo fombany sy ireo asany. Ny fomban'izy ireo dia tahaka ny fahalotoan'ny fadimbolan'ny vehivavy eo anoloako. 18 Koa nararako teo amin'izy ireo ny fahatezerako nohono'ny rà izay nalatsak'izy ireo teo amin'ny tany sy nohon'ny fandotoan'izy ireo izany tamin'ny alalan'ireo sampiny. 19 Naheliko teo amin'ireo firenena izy ireo; naparitaka nanerana ireo tany izy ireo. Notsaraiko araka ireo fombany sy ireo asany izy ireo. 20 Avy eo izy ireo nankany amin'ireo firenena, ary na taiza na taiza nalehan'izy ireo, dia naniratsira ny anarako masina izy ireo rehefa nilaza ny amin'izy ireo ny vahoaka hoe: 'Ireny tokoa ve no vahoakan'i Yaveh? Fa efa nandà ny taniny izy ireo.' 21 Fa nanana fangoraham-po ho an'ny anarako masina izay efa nolotoin'ny ankohonan'Israely teo amin'ny firenena Aho, raha nandeha tany izy ireo. 22 Koa lazao amin'ny ankohonan'Israely hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Tsy manao izany nohon'ny aminareo Aho, ry ankohonan'Israely, fa nohon'ny anarako masina, izay efa nolotoinareo teo amin'ireo firenena rehetra izay efa nalehanareo. 23 Fa hanao ny anarako lehibe ho masina Aho, izay efa nolotoinareo teo amin'ireo firenena—teo afovoan'ireo firenena, no naniratsiranareo izany. Ary dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Yaveh—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh —rehefa hitanareo fa masina Aho. 24 Ho esoriko avy eo amin'ireo firenena ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra, dia ho entiko any amin'ny taninareo ianareo. 25 Avy eo ho fafazako rano madio eo aminareo mba ho voadio amin'ireo fahalotoanareo rehetra ianareo, ary ho dioviko amin'ny sampinareo rehetra ianareo. 26 Homeko fo sy fanahy vaovao ianareo ao anatinareo ao, ary halàko amin'ny nofonareo ny fo vato. Fa homeko fo nofo ianareo. 27 Hametraka ny fanahiko ao aminareo Aho ary hahatonga anareo hanaraka ny lalàko sy hitandrina ny didiko, dia ho ataonareo ireo. 28 Ary honina ao amin'ny tany izay nomeko ny razambenareo ianareo; ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. 29 Fa ho avotako avy amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Hiantso ny vary sy hampitombo izany Aho. Tsy ho asiako mosary intsony eo aminareo. 30 Hampitomboiko ny voan'ny hazo sy ny vokatrin'ny saha mba tsy hitondra ny henatrin'ny mosary eo amin'ny firenena intsony ianareo. 31 Dia hahatsiaro ny fomba ratsinareo sy ny asa ratsinareo izay tsy tsara ianareo, ary hampiseho rikoriko eo amin'ny tarehinareo noho ireo fahotanareo sy ireo asa maharikorikonareo ihany ianareo. 32 Tsy manao izany nohon'ny aminareo Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—aoka ho fantatrareo izany. Noho izany aoka ho menatra sy afa-baraka nohon'ny fombanareo ianareo, ry ankohonan'Israely. 33 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Amin'ny andro izay handiovako anareo amin'ny helokareo rehetra, dia hataoko monina ao amin'ireo tanàna ianareo ary hanamboatra indray ireo toerana rava. 34 Fa ho asainareo indray ny tany rava mandra-pahatonga izany ho tsy faharavana eo imason'ireo rehetra izay mandalo intsony. 35 Dia hilaza izy ireo hoe: "Rava ity tany ity, saingy lasa tahaka ny sahan'i Edena izy; ireo tanàna rava sy ireo rava tsy misy mponina izay nosimbaina dia voaaro mafy sady nonenana ankehitriny." 36 Avy eo ireo firenena hafa manodidina anao dia hahafantatra fa Izaho no Yaveh, fa Izaho no nanangana ny rava sy nampamokatra indray ireo toerana foana. Izaho no Yaveh. Efa nambarako izany ary ho ataoko. 37 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ho angatahan'ireo ankohonan'Israely indray Aho hoe mba hanao izany ho azy ireo, mba hampitombo azy ireo tahaka ny andian'olona. 38 Tahaka ny ondry voatokana ho an'ny sorona, tahaka ny ondry any Jerosalema amin'ny fanasany voatondro, dia ho feno andian'olona ireo tanàna rava ary ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh."'
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela. Izao ny hafany dia ho an'ireo tendrombohitr'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
Ezekiela dia tian'Andriamanitra hiresaka amin'ireo tendrombohitra toy ny hoe olona izy ireo.
Ity dia fomba fiteny ho an'ny hafaliana. Izany dia afaka adika hoe "tena faly aho" na "lehibe izany"
Ity dia maneho an'ireo tendrombohitra avon'Israely. DH: "ireo tendrombohitra tena efa ela."
"anay ankehitriny"
DH: "satria lasa rava ireo tendrombohitrareo"
"satria ianareo notafihana avy any amin'ny lalana rehetra" na "satria ireo fahavalonareo nanafika anareo avy any amin'ny lalana rehetra"
DH: "Ny vahoaka dia milaza zavatra ratsy momba anareo, ary ireo firenena dia milaza tantara ratsy momba anareo"
DH: "teny manendrikendrika"
Ity dia manohy ny hafatr'i Yaveh amin'ireo tendrombohitr'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:1.
"ireo tanàna rava izay tsy misy vahoaka mipetraka ao aminy"
DH: "ireo tanàna izay navelan'ny olona"
"izay nangalarin'ireo fahavalo tamin'ny"
"izay tsiratsirain'ireo firenena hafa manodidina"
Israely dia tian'i Yaveh fatratra, noho izany lasa saro-piaro sy tezitra Izy rehefa naniratsira azy ireo firenena hafa. DH: "nohon'ny hasarotam-piaroko lehibe" na "nohon'ny hatezerako tena mahery"
"sy manohitra an'i Edoma rehetra"
Ny UDB dia mamadika ny filaharan'ireo fehezanteny ireo. DH: "naniratsira an'ireo Israelita vahoakanao ... naka am-pifaliana"
"miaraka amin'ny fifaliana ao am-pon'izy ireo" na "raha tena faly be"
Tiana lazaina eto fa ho an'Israely ny fanaovan'izy ireo tsinotsinona. DH: "fanaovana tsinotsinona tao amin'ny fanahin'izy ireo ho an'Israely" na "raha manao tsinotsinona an'Israely"
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy manamafy an'izay manaraka. DH: "eny tokoa!"
Ireo teny hoe "fahavinirana" sy "hatezerana" dia mitovy hevitra. Ireo miaraka dia manamafy ny hamafin'ny fahatezerany. DH: "satria tena tezitra mafy Aho"
"naniratsira anareo ireo firenena hafa" na "naneso anareo ireo firenena hafa"
Ity dia manohy ny hafatr'i Yaveh amin'ireo tendrombohitr'Israely.
DH: "hanandratra ny tanako sy hianiana Aho." Ny manandra-tanana dia mampiseho fa tena hanao izay nianianany tokoa Izy.
DH: "fa ny vahoaka dia haneso an'ireo firenena izay manodidina anareo tokoa"
Ny teny hoe "anareo" dia maneho an'ireo tendrombohitr'Israely.
Ity dia manohy ny hafatr'i Yaveh amin'ireo tendrombohitr'Israely.
DH: "ireo hazonao dia hitombo sampana sy hamokatra"
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy manamafy an'izay manaraka. DH: "eny tokoa."
"te-hanao zavatra tsara ho anareo Aho." Ny teny hoe "ianareo" dia maneho an'ireo tendrombohitr' Israely.
"ho tsara fanahy aminareo Aho" (UDB)
DH: "Ny vahoakako, Israely, dia hiasa ny taninareo sy hamafy izany amin'ny voa." Ny hoe mamafy dia midika hoe manapaka andalana eo amin'ny tany mba hambolena voa eo amin'ireo.
Ity dia manohy ny hafatr'i Yaveh amin'ireo tendrombohitr'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
DH: "dia hipetraka ao amin'ireo tanàna ny olona ary hamerina hanangana an'ireo rava."
"ho lasa vahoaka maro izy ireo ary hanana zanaka maro"
"hahatonga ny olona hipetraka eo aminareo tendrombohitra tahaka ny nataon'izy ireo teo aloha"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
Ny teny hoe "ianao" dia maneho ny "tanin'Israely."
Tiana lazaina eto fa taloha ny ankizy dia maty satria tsy ampy ny sakafo teo amin'ilay tany. Ankehitriny ilay tany dia hamokatra sakafo sahaza.
Ity dia manohy ny hafatr'i Yaveh amin'ireo tendrombohitr'Israely.
"ireo firenena hafa milaza aminareo tendrombohitra"
"mahatonga olona maro ho faty ianareo." Ny teny hoe "ianao" dia maneho ny "tanin'Israely."
"mahatonga ny zanaky ny vahoakanareo ho faty ianareo." Tiana lazaina fa ireo tendrombohitra dia manao izao amin'ny alalan'ny tsy fampamokarana vokatra tsara. Afaka atao mazava tsara tahaka ny ao amin'ny UDB ity.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
DH: "tsy hamela an'ireo firenena hafa haniratsira anareo intsony Aho."
"tsy hampamenatra anareo intsony ny olona"
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
"tamin'ny alalan'ny fomba fiainan'izy ireo sy ireo zavatra nataon'izy ireo"
"ny fomban'izy ireo dia naharikoriko tamiko toy ny fadimbolan'ny vehivavy"
ny rà izay mivoaka avy ao amin'ny vehivavy isam-bolana rehefa tsy mitondra vohoka izy
"nanao zavatra tamin'izy ireo Aho izay nampiseho ny fahatezerako."
DH: "satria nataon'izy ireo niraraka teo amin'ilay tany ny ràn'olona maro" na "satria namono olona maro izy ireo"
"ary satria izy ireo nandoto ilay tany tamin'ny sampin'izy ireo"
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela momban'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao fehezanteny mitovy tao amin'ny 12:14.
DH: "naparitako nanerana ireo tany izy ireo"
DH: "ireo zavatra izay vitan'izy ireo"
"satria ny vahoaka hafa nilaza hoe"
Ity dia maneho ny tanin'Israely.
"Nivaky loha ny amin'ny anarako masina Aho." DH: "tiako ho fantatry ny vahoaka fa masina Aho."
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela, ary manome hafatra aminy ho an'Israely Izy.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
DH: "noho ianareo" na "mba hanampiana anareo"
DH: "mba hahafantaran'ny olona fa masina Aho" na "mba hanaja Ahy ho masina ny olona"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'Israely.
"hampitete rano eo aminareo" na "hanipy rano madio"
"ireo zavatra rehetra izay nampaloto anareo"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "fo" sy "fanahy" tao amin'ny 11:19.
Ity dia mampitaha ny fo mafin'ny vahoaka amin'ny vato mafy. DH: "ny fo izay mafy tahaka ny vato mafy." Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "fo vato" tao amin'ny 11:19.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 11:19. Ity dia fo izay tsy mafy loha, fa vonona hankato an'Andriamanitra.
"ny vatanareo"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 11:19.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "hanatanterahan'izy ireo ny didiko sy hanaovan'izy ireo izany" tao amin'ny 11:19.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 11:19.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'Israely.
"hiantso ny vary mba ho avy Aho." Ity fehezanteny ity dia maneho ny voa toy ny mpanompon'i Yaveh. DH: "hampisy vary ao amin'ny tanin'Israely Aho."
"ireo firenena dia tsy hampamenatra anareo intsony satria mijaly amin'ny mosary ianareo"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'Israely.
"noho ianareo"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
DH: "fantaro izany" na "afaka mahazo antoka ny amin'izany ianareo." Milaza ity Yaveh mba hanamafisana fa tsy hoe satria tsara ny vahoaka no hananganany azy ireo indray. Afaka afindra eny amin'ny fiantombohan'ny andininy ity.
Ireo teny hoe "menatra" sy "afa-baraka" dia mitovy hevitra. Izy ireo miaraka dia manamafy ny hamafin'ilay fahamenarana. DH: "koa aoka ho menatra be"
"noho izay ataonareo"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
"ho ambolenareo ny tany rava"
DH: "ary izay rehetra mandalo eo amin'ilay tany dia hahita izany."
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'Israely.
Ny hoe "izy ireo" dia maneho ny vahoaka izay mandeha manerana ny tanin'Israely.
"ireo rava izay tsy misy mipetraka"
Ireo mety ho heviny dia 1) "izay nosimbain'ireo fahavalo" na 2) "izay tsy afaka idiran'ny vahoaka"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
"ary fa nanangana an'ireo tanàna izay nosimbain'ireo fahavalo Aho"
"namboly vokatra teo amin'ny tany lao"
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela.
"mba hampitombo azy ireo tahaka ny andian'ondry." Ny ondry dia mitombo aingana. DH: "mba hampitombo aingana ny vahoaka tahaka ny ondry."
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
1 Teo amiko ny tanan'i Yaveh, ary nitondra ahy hivoaka tamin'ny alalan'ny Fanahin'i Yaveh Izy ary nametraka ahy teo afovoan'ny lohasaha; feno taolana izany. 2 Dia nasainy niodidina teo amin'izany aho. Indro! Maro an'isa tamin'izy ireo no teny amin'ny lohasaha. Indro! Maina be tokoa izy ireo. 3 Hoy Izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, afaka miaina indray ve ireto taolana ireto?" Dia hoy aho hoe: "Ry Tompo Yaveh, Ianao irery ihany no mahalala." 4 Dia niteny tamiko izy hoe: "Maminania amin'ireo taolana ireo ary lazao amin'izy ireo hoe: 'Ry taola-maina. Henoy ny tenin'i Yaveh. 5 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh amin'ireo taolana ireo: Indro! hametraka fofon'aina aminao Aho, ary ho velona ianao. 6 Hametraka hozatra manerana anao Aho ary hitondra nofo eo aminao. Handrakotra anao amin'ny hoditra Aho ary hanisy fofonaina ao anatinao mba hiaina ianao. Dia ho fantatrao fa Izaho no Yaveh.'" 7 Ka dia naminany arak'izay nandidiana ahy aho; raha naminany aho, dia indro, nisy feo tonga, izay mangovitra. Dia nifanatona niaraka ireo taolana—taolana amin'ny taolana. 8 Nijery aho ary, indro, teo amin'izy ireo ny hozatra izao, ary nitombo ny nofo ka nandrakotra azy ireo ny hoditra. Fa tsy mbola nisy fofonaina tao amin'izy ireo. 9 Dia niteny tamiko Yaveh hoe: "Maminania amin'ny fofonaina, maminania, ry zanak'olona, ary mitenena amin'ny fofonaina hoe: 'Ny Tompo Yaveh miteny izao: Ry fofonaina, tongava avy amin'ny rivotra efatra, ary tsofy ireo izay voavono, mba hahafahan'izy ireo miaina.'" 10 Koa naminany araka izay efa nandidiana ahy aho; tonga tamin'izy ireo ny fofonaina ary velona izy ireo. Avy eo dia nitsangana tamin'ny tongony izy ireo, izay tafika lehibe. 11 Dia niteny tamiko Yaveh hoe: "Ry zanak'olona, ankohonan'Israely manontolo ireo taolana ireo. Indro! Hoy izy ireo hoe: 'Nihamaina ireo taolanay, ary lasa ny fanantenanay. Nofongorana izahay.' 12 Noho izany dia maminania ary lazao izy ireo hoe: 'Ny Tompo Yaveh miteny izao: Indro! Hanokatra ireo fasanareo Aho ary hampiakatra anareo hivoaka ao amin'izany, ry vahoakako. Hitondra anao hiverina amin'ny tanin'Israely Aho. 13 Dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh, rehefa manokatra ny fasanareo sy mitondra anareo hivoaka amin'izy ireo Aho, ry vahoakako. 14 Hametraka ny Fanahiko ao aminareo Aho ka ho velona ianareo, ary hampiala sasatra anareo any amin'ny taninareo Aho rehefa fantatrareo fa Izaho no Yaveh. Manambara izany Aho ary hanatanteraka izany—izany no fanambaran'i Yaveh.'" 15 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 16 "Koa ankehitriny ianao, ry zanak'olona, mangalà tapa-kazo iray ho an'ny tenanao ary soraty eo amin'izany hoe: 'Ho an'i Joda sy ny vahoakan'Israely, ireo namany.' Dia makà tapa-kazo iray hafa ary soraty eo amin'izany hoe: 'Ho an'i Josefa, ny tapa-kazon'i Efraima, ary ho an'ireo vahoakan'Israely rehetra, ireo namany.' 17 Ento hiaraka ho tapa-kazo iray izy roa ireo, mba ho tonga iray eo an-tananao izy ireo. 18 Rehefa miresaka aminao ireo vahoakanao ary manao hoe: 'Moa tsy hilaza aminay ny dikan'ireo zavatrao ireo ve ianao?' 19 dia lazao amin'izy ireo hoe: 'Ny Tompo Yaveh miteny izao: Indro! Maka ny tapa-kazon'i Josefa izay eo an-tanan'i Efraima sy ireo fokon'Israely namany Aho ary mampifandray izany amin'ny tapa-kazon'i Joda, mba ho tapa-kazo iray ihany izy ireo, ary ho lasa iray eo an-tanako izy ireo.' 20 Hazòny eo an-tananao ireo tapa-kazo izay nosoratanao teo imason'izy ireo. 21 Ambarao amin'izy ireo hoe: 'Ny Tompo Yaveh milaza izao: Indro! Handeha haka ireo vahoakan'Israely avy amin'ireo firenena izay nalehan'izy ireo Aho. Hanangona azy ireo avy amin'ireo tany manodidina Aho ary hitondra azy ireo any amin'ny taniny. 22 Ho ataoko firenena iray any amin'ilay tany izy ireo, eo amin'ireo tendrombohitr'Israely, ary mpanjaka tokana no ho mpanjakan'izy rehetra ireo, ary tsy ho firenena roa intsony izy ireo. Tsy ho voazara ho fanjakana roa intsony izy ireo. 23 Ary tsy handoto ny tenan'izy ireo amin'ireo sampiny intsony izy ireo, ireo zavany maharikoriko, na iray amin'ireo fahotany hafa. Fa hamonjy azy ireo amin'ireo nataony tsy am-pinoana izay nanotany Aho, ary hanadio azy ireo, ka ho vahoakako izy ireo ary Izaho ho Andriamaniny. [1]24 Davida mpanompoko no ho mpanjakan'izy ireo. Ka mpiandry tokana no ho amin'izy rehetra ireo, ary handeha araka ireo fitsipiko sy hitandrina ireo lalàko ary hankato izany izy ireo. 25 Hipetraka any amin'ny tany izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy ireo, izay nijanonan'ireo razambenareo. Hitoetra ao anatin'izany mandrakizay izy ireo—izy ireo, ireo zanany, ary ireo zafikeliny, satria Davida mpanompoko no ho lehiben'izy ireo mandrakizay. 26 Hametraka fanekem-pihavanana miaraka amin'izy ireo Aho. Ho fanekena mandrakizay miaraka amin'izy ireo izany. Hametraka azy ireo Aho sy hanamaro azy ireo ary hametraka ny toerako masina eo afovoan'izy ireo mandrakizay. 27 Ny toerana fonenako dia hiaraka amin'izy ireo; ho Andriamaniny Aho, ary ho vahoakako izy ireo. 28 Dia ho fantatr'ireo firenena fa Izaho no Yaveh izay manokana an'Israely, rehefa eo amin'izy ireo mandrakizay ny toerako masina.'"
Miteny Ezekiela
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "tonga teo amiko ny tanan'i Yaveh" tao amin'ny 1:1.
DH: "teny amin'ny lalana rehetra"
Ny teny hoe "indro" eto dia manaitra antsika mba hifantoka amin'ny fampahafantarana manaraka.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
Yaveh miresaka amin'i Ezekiela.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 13:1.
DH: "jereo" na "henoy" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao"
ireo faritra amin'ny vatan'olombelona izay toy ny tady mafy ary manambatra ny taolana sy ny nofo.
DH: "ho ataoko afaka miaina ianao"
Ny teny Hebreo dia adika hoe "fofonaina" ao amin'ireo andalana ireo dia adika hoe "fanahy" amin'ny dikateny amin'izao sasany. Izany koa dia adika hoe "rivotra" ao amin'ny 37:9.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
Miteny Ezekiela.
DH: "araka'izay nandidian'i Yaveh ho tenenina"
Ny teny hoe "indro" eto dia mampiseho fa gaga tamin'izay hitany i Ezekiela.
Ity dia maneho an'ireo faritra amin'ny vatan'olombelona izay toy ny tady mafy ary manambatra ny taolana sy ny nofo. Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 37:4.
DH: "Fa tsy niaina izy ireo" na "fa tsy velona izy ireo"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
Ireo mety ho heviny dia 1) "fofonaina" na 2) "fanahy" na 3) "rivotra"
DH: "avy amin'ireo lalana efatra izay afaka hitsofan'ny rivotra" na "avy amin'ny lalana rehetra"
DH: "ireo olona izay novonoin'ireo fahavalo sy ireo loza ireo"
DH: "araka ny nandidian'i Yaveh ahy"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy manamafy an'izay manaraka. Fandikana hafa: "eny tokoa!"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 21:08.
DH: "jereo" na "henoy" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao"
Ireto dia tenin'i Yaveh amin'ny ankohonan'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
"hiaina am-pilaminana ao amin'ny taninareo manokana"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh" tao amin'ny 5:11.
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
DH: "misolo-tena an'i Joda" na "an'i Joda"
Ny fokon'i Joda dia nipetraka tany amin'ny fanjakana tatsimon'Israely izay nantsoina hoe Joda. Eto ilay anarana dia nampiasaina mba hanehoana an'ilay fanjakana atsimo manontolo.
Ity dia maneho an'ireo Israelita izay nipetraka tany amin'ny fanjakana tatsimon'i Joda. DH: "ireo fokon'i Joda rehetra" (UDB) na "ireo fokon'Israely izay isan'ny fanjakan'i Joda.
Ny fokon'i Efraima dia nipetraka tany amin'ny fanjakana tavaratr'Israely. Eto ilay anarana dia nampiasaina mba hanehoana an'ilay fanjakana tavaratra manontolo.
Ity dia maneho an'ireo Israelita izay nipetraka tany amin'ny fanjakana tavaratr'Israely. DH: "ny fokon'Israely rehetra" (UDB) na "ireo Israelita izay isan'ny fanjakan'Israely"
"mba ho tonga tapa-kazo iray ireo"
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "miresaka ka manao hoe" tao amin'ny 33:23.
DH: "inona no dikan'ireo tapa-kazonao ireo" na "nahoana no manana ireo tapa-kazo ireo ianao"
DH: "jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
Ity dia maneho ny fanjakan'Israely.
Ny teny hoe "tanana" dia maneho ny fahefana. DH: "izay eo amin'ny fahefan'i Efraima" na "izay hanapahan'ny fokon'i Efraima"
DH: "ireo foko hafan'Israely izay namany" na "ireo foko hafan'Israely izay anisan'izany fanjakana izany"
Ity dia maneho ny fanjakan'i Joda.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 21:6.
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela.
DH: "jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 11:19.
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "Davida mpanompoko" tao amin'ny 34:22.
DH: "mpanjakan'ny vahoakan'Israely"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 34:22.
DH: "hiaina araka izay efa nandidiako"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "mitandrina ny lalàko rehetra ary manao ireo izy" tao amin'ny 18:19.
DH: "nipetrahana"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "andriandahy" tao amin'ny 07:26.
Yaveh miresaka momban'ny vahoakan'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 34:25.
Tiana lazaina fa Yaveh dia hametraka azy ireo ao amin'ny tanin'Israely. DH: "hapetrako ao amin'ny tanin'Israely izy ireo"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "hanamaro" tao amin'ny 36:10.
DH: "ny fitoerako masina" na "ny tempoliko" (UDB)
DH: "ny toerana izay ipetrahako"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "ho vahoakako izy ireo, ary Izaho ho Andriamanitr'izy ireo" tao amin'ny 11:19.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
DH: "ny fitoerako masina" na "ny tempoliko"
DH: "eo amin'izy ireo"
1 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Ry zanak'olona, ampanatreho an'i Goga, ilay tanin'i Magoga, ilay lehiben'ny andriandahin'i Meseka sy Tobala ny tavanao; ary maminania manohitra azy. 3 Lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Indro! Manohitra anao Aho, ry Goga, lehiben'ny andriandahin'i Meseka sy Tobala. 4 Koa ho ataoko mihodikodina ianao ary ho asiako faraingo ny valanoranonao; ho alefako miaraka aminao ireo tafikao rehetra, ireo soavaly, ary ireo mpitaingin-tsoavaly, izy rehetra manao fiarovana avokoa, antoko lehibe miaraka amin'ny ampinga lehibe sy ampinga kely, izy rehetra mitàna sabatra avokoa! 5 Persia, Kosa, ary Lybia dia miaraka amin'izy ireo, izy rehetra miaraka amin'ny ampingan'izy ireo sy ny fiarovan-dohan'izy ireo! 6 Gomera sy ireo tafiny rehetra, ary Beta-togarma, avy amin'ny faritra lavitra any andrefana, ary ireo tafiny rehetra! Maro ireo olona no miaraka aminao! 7 Mivonona! Eny, homano ny tenanao sy ireo tafikao miaraka aminao, ary aoka ianao ho mpifehy azy ireo. 8 Ho voaantso ianao aorian'ny andro maro, ary afaka taona vitsy ianao dia handeha any amin'ny tany izay sitrana tamin'ny sabatra sy nangonina avy tamin'ireo vahoaka maro, nangonina hiverina amin'ny tendrombohitr'Israely izay faharavana hatrizay. Fa ny tanin'ireo vahoaka dia ho alàna avy eo amin'ireo vahoaka, ary hitoetra tsy amin'ny ahiahy izy ireo, izy rehetra! 9 Koa hiakatra tahaka ny fandehan'ny tafido-drivotra ianao; ho tahaka ny rahona manarona ny tany ianao, ianao sy ireo tafikao rehetra, ireo miaramila maro rehetra miaraka aminao. 10 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ary amin'izany andro izany dia hisy eritreritra hiforona ao am-ponao, ary hihevitra teti-dratsy ianao.' 11 Dia hilaza ianao hoe: 'Hiakatra ho any amin'ny tany malalaka aho; ho any amin'ireo vahoaka mangina mitoetra tsy amin'ahiahy aho, izy rehetra dia mitoetra any amin'izay tsy misy manda na hidy, ary any amin'izay tsy misy vavahadin-tanàna. 12 Hisambotra ireo babo aho ary hangalatra babo, mba hitondrako ny tanako eo amin'ireo rava izay efa azo hitoerana indray, ary amin'ireo vahoaka nangonina avy amin'ireo firenena, ny vahoaka izay mahazo biby fiompy sy fananana, ary ireo izay monina ao amin'ny ivon'ny tany.' 13 Sheba sy Dedana, ary ireo mpivarotr'i Tarsisy miaraka amin'ireo mpiadiny tanora rehetra dia hiteny aminao hoe: 'Tonga mba hambabo ve ianao? Namory ireo tafikao mba hanala ireo rava, mba haka ireo volafotsy sy volamena, mba haka ny biby fiompin'izy ireo sy ny fananana ary mba hahazo babo betsaka ve ianao?' 14 Noho izany maminania, ry zanak'olona, ary milazà amin'i Goga hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Amin'izany andro izany, rehefa mitoetra tsy amin'ahiahy ny Israely oloko, dia tsy hamantatra ny momba azy ireo ve ianao? 15 Ho tonga avy amin'ny toeranao avy lavitra any avaratra miaraka amin'ny tafika lehibe ianao, izy rehetra mitaingin-tsoavaly, antoko lehibe, tafika lehibe. 16 Hanafika an'Israely vahoakako tahaka ny rahona izay manarona ny tany ianao. Amin'ireo andro farany dia hitondra anao hanohitra ny taniko Aho, ka mety hahafantatra Ahy ireo firenena rehefa haneho ny tenako amin'ny alalanao Aho, ry Goga, mba ho masina eo imason'izy ireo. 17 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Tsy ianao ve ilay iray izay nitenenako tamin'ireo andro taloha tamin'ny alalan'ny tanan'ireo mpanompoko, ireo mpaminanin'Israely, izay naminany tamin'ny fotoan'izy ireo manokana nandritry ny taona fa hitondra anao hanohitra azy ireo Aho? 18 Ka ho tonga ny andro izay hanafihan'i Goga ny tanin'Israely—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—hiakatra amin'ny fahatezerako ny fahavinirako. 19 Amin'ny zotom-poko sy amin'ny afon'ny hatezerako, no hanambarako fa amin'izany andro izany dia hisy horohorontany lehibe ao amin'ny tanin'Israely. 20 Hiozongozona eto anatrehako izy ireo—dia ny trondron-dranomasina sy ireo voron'ny lanitra, ireo bibidian'ny saha, ary ireo zava-manan'aina rehetra izay mandady amin'ny tany, sy ny olon-drehetra izay eto ambonin'ny tany. Hianjera ireo tendrombohitra ary hihotsaka ireo hantsana, mandra-pianjeran'ireo manda rehetra eo amin'ny tany. 21 Hiantso sabatra hanohitra anao eo amin'ireo tendrombohitro rehetra Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—ny sabatry ny olona tsirairay dia hanohitra ny rahalahiny. 22 Avy eo dia hitsara azy amin'ny areti-mandoza sy rà Aho; ary orana manafotra sy havandra ary solifara mirehitra no ho arotsako eo amboniny sy ireo tafiny ary ireo firenena maro izay miaraka aminy. 23 Fa haneho ny halehibeko sy ny fahamasinako Aho ary hampahafantatra ny tenako eo imason'ireo firenena maro, ka hahafantatra izy ireo fa Izaho no Yaveh."'
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
Ity dia anarana mpitarika na mpanjaka izay nanapaka tao amin'ny tanin'i Magoga.
Tiana lazaina eto fa ity dia ilay tany izay hanapahan'i Goga. DH: "izay manapaka eo amin'ny tanin'i Magoga."
Anarana firenena taloha izay mety nipetraka tany amin'ilay tany Torkia ankehitriny. Magoga dia mety ho firenen'i Lydia taloha.
Ity fomba fiteny ity dia miseho indroa ao amin'ireto andininy ireto. Ny sasany amin'ireo dikateny amin'izao, kanefa, dia mandika ny fomba fiteny Hebreo hoe "lehiben'i Rosa, Meseka, ary Tobala."
Yaveh miresaka amin'i Goga.
Ny olona dia manisy farango eo amin'ny vavan'ireo biby mba hahafahan'izy ireo mitarika ireo biby na aiza na aiza tian'izy ireo.
firenena izay nipetraka tany avaratry ny Ranomasina Mainty
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 27:14.
Yaveh miresaka amin'i Goga.
DH: "ho antsoiko ho tonga amin'ny ady ianao"
"ireo tafikao rehetra izay nangoninao ho an'ny tenanao" na "ireo tafikao rehetra izay niaraka nentinao ho an'ny tenanao"
"izay nangoniko ny vahoakany"
"amin'izay fotoana izany"
"hisy hevitra ho tonga ao an-tsainao"
Yaveh miresaka amin'i Goga.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 27:22.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 25:12.
ondry, osy, omby vavy
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Goga.
Mampiasa ity fanontaniana ity Yaveh mba hanamafisana fa Goga dia handre momban'ny vahoaka mipetraka any Israely tokoa. DH: "Amin'izany andro izany, rehefa miaina tsy amin'ahiahy Israely vahoakako, dia ho fantatrao ny momba azy ireo."
"mety hahafantatra hoe iza Aho"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Goga.
Mampiasa ity fanontaniana ity Yaveh mba hanamafisana fa Izy ilay iray izay nitondra an'i Goga ho any amin'ny tanin'Israely. DH: "Ianao ilay iray izay ... azy ireo."
"hanohitra ny vahoakan'Israely"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany momban'i Goga.
"ho azeran'Andriamanitra ireo tendrombohitra."
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany momban'i Goga.
vaingan-dranomandry izay milatsaka avy any an-danitra
"haneho fa lehibe sy masina Aho"
1 "Ankehitriny ianao, ry zanak'olona, maminania hamely an'i Goga ka lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Indro! Manohitra anao Aho, ry Goga, lehiben'i Meseka sy Tobala. 2 Hampitodika anao Aho ka hitarika anao; ho entiko miakatra avy any avaratra alavitra ianao ary entiko any amin'ireo tendrombohitr'Israely. 3 Dia ho ataoko miala avy eo an-tanan-kavianao ny lefonao ary hataoko milatsaka avy eo amin'ny tananao havanana ny tsipika. 4 Hianjera ho faty eo amin'ny tendrombohitr'Israely ianao—ianao sy ny antokonao ary ireo miaramila izay miaraka aminao. Homeko an'ireo vorona mpihaza sy ireo bibidian'ny saha mba ho sakafo ianao. 5 Hianjera ho faty eo amin'ny saha ianao, fa Izaho mihitsy no manambara izany—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 6 Dia handefa afo eo amin'i Magoga sy ireo izay monina tsy amin'ahiahy eny amoron-tsiraka Aho, ary ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh. 7 Fa hataoko fantatra eo anivon'Israely vahoakako ny anarako masina, ary tsy hamela ny anarako masina ho zimbazimbaina intsony Aho; dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Yaveh, ilay Iray Masina any Israely. 8 Indro! Ho avy ny andro, ary hitranga izany—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 9 Ireo izay monina ao amin'ny tanànan'Israely dia hivoaka ary hampiasa fiadiana mba hirehitra ka hahatonga afo handoro azy ireo—dia ampinga kely, ampinga be, lefom-pohy, tsipìka, langilangy sy lefona; hampirehitra afo amin'izy ireo mandritry ny fito taona ireo. 10 Tsy hanangona kitay avy eny an-tsaha izy ireo na hikapa hazo avy amin'ireo ala, satria ho doran'izy ireo ny fitaovam-piadiana; haka avy amin'ireo izay nitady haka tamin'izy ireo izy; hambabo ireo izay nitady hambabo azy ireo izy ireo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh." 11 Ary amin'izany andro izany dia hanamboatra toerana ho an'i Goga any Aho—fasana any Israely, lohasaha ho an'ireo izay manao dia ho any atsinanan'ny ranomasina. Hanakana an'ireo izay maniry ny hiampita izany. Any no handevenan'izy ireo an'i Goga miaraka amin'ny vahoakany rehetra. Ho antsoin'izy ireo hoe Lohasahan'i Hamona Goga izany. 12 Mandritry ny ny fito volana dia handevina azy ireo ny ankohonan'Israely mba hanadio ny tany. 13 Satria handevina azy ireo ny vahoakan'ny tany rehetra; dia ho andro fahatsiarovana ho azy ireo izany rehefa omem-boninahitra Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 14 Dia hanendry olona hiampita ny tany hatrany izy ireo, mba hahitana ireo izay nandeha niampita, saingy maty ka nijanona teo amin'ny fanambonin'ny tany ny fatiny, mba hahafahan'izy ireo mandevina azy ireo, mba hanadiovana ny tany. Amin'ny faran'ny volana fahafito no hanombohan'izy ireo ny fikarohany. 15 Raha mandalo ny tany ireo lehilahy ireo, rehefa mahita taolan'olona izy ireo, dia hanisy marika eo akaikin'izany, ambara-pahatongan'ny mpihady fasana ka handevina izany eny amin'ny Lohasahan'i Hamona Goga. 16 Hisy tanàna araka ny anaran'i Hamona any. Amin'izany fomba izany no hanadiovan'izy ireo ny tany. 17 Ary ho anao, ry zanak'olona, izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Lazao amin'ireo vorona manan'elatra rehetra sy ireo bibidia any an-tsaha hoe: 'Miaraha-miangona ka avia. Miangòna avy any amin'ny manodidina rehetra ho eo amin'ny sorona izay izaho mihitsy no manao azy ho anao, dia sorona lehibe eo amin'ny tendrombohitr'Israely, mba hahafahanao mihinana nofo sy misotro rà. 18 Ho haninao ny nofon'ireo mpiady ary ho sotroinao ny ràn'ireo andriandahin'ny tany; ho ondry, zanak'ondry, osy lahy, ary omby lahy izy ireo, natavezina tao Basana izy ireo. 19 Dia hihinana tavy ianao mandra-pahavokinao; hisotro rà ianao mandra-pahamamo; izany no sorona ho vonoiko ho anareo. 20 Ho voky eo an-databatro amin'ny soavaly, kalesy, mpiady, ary ireo lehilahin'ady rehetra ianareo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.' 21 Hapetrako eo amin'ireo firenena ny voninahitro, ary ho hitan'ireo firenena ny fitsaràko izay tanterahako ary ny tanako izay napetrako hamely azy ireo. 22 Ho fantatry ny ankohonan'Israely fa Izaho no Yaveh Andriamanitr'izy ireo manomboka amin'izany andro izany mankany. 23 Ho fantatr'ireo firenena fa ny ankohonan'Israely dia lasan-ko babo nohon'ny helok'izy ireo izay namadihany Ahy, koa dia nanafina ny tavako tamin'izy ireo Aho ary nanolotra azy ireo ho eo an-tanan'ireo fahavalony hany ka lavon'ny sabatra izy rehetra. 24 Nataoko tamin'izy ireo araka ny fahalotoany sy ny fahotany ihany, rehefa nanafina ny tavako tamin'izy ireo Aho. 25 Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ankehitriny dia hamerina ny haren'i Jakoba Aho, ary hangoraka ny ankohonan'Israely rehetra, rehefa miasa amin-jotom-po nohon'ny anarako masina Aho. 26 Dia hitondra ny henatr'izy ireo sy ny famadihana rehetra izay namadihany Ahy izy ireo. Ho adinon'izy ireo izany rehetra izany rehefa mitoetra tsy amin'ahiahy ao amin'ny taniny izy ireo, tsy misy na iza na iza mampihorohoro azy ireo. 27 Rehefa mamerina azy ireo avy amin'ny vahoaka Aho ary manangona azy ireo avy ao amin'ny tanin'ny fahavalon'izy ireo, dia hampiseho ny tenako ho masina eo imason'ny firenena maro Aho. 28 Dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh Andriamanitr'izy ireo, satria nandefa azy ireo ho babo teo amin'ireo firenena Aho, saingy avy eo Aho hanangona azy ireo hiverina any amin'ny taniny. Tsy handao na dia iray amin'izy ireo eo amin'ireo firenena Aho. 29 Tsy hanafina ny tavako amin'izy ireo intsony Aho rehefa mandatsaka ny Fanahiko eo amin'ny ankohonan'Israely—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh."
Yaveh manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Goga.
Fandikana hafa: "Jereo!" na "Henoy!" na "Mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
Ity fomba fiteny ity dia miseho indroa ao amin'ireto andininy ireto. Ny sasany amin'ireo dikateny amin'izao, kanefa, dia mandika ny fomba fiteny Hebreo hoe "lehiben'i Rosa, Meseka, ary Tobala."
DH: "ho ravaiko ny herin'ny miaramilanao."
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Goga.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 38:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'i Goga.
DH: "ho ataoko fantatr'Israely, vahoakako, ny anarako masina." Ny vahoakan'Israely dia hanana fahalalana mazava kokoa ny amin'ny toetran'i Yaveh.
Fandikana hafa: "Jereo!" na "Henoy!" na "Mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany momban'i Goga.
hazo ampiasaina ho fitaovam-piadiana.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "babo" tao amin'ny 23:46.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany momban'i Goga.
mpamaritra hetsika manan-danja. Raha toa ny fiteninao ka manana fomba hilazana ity, dia ampiasao eto izany.
Misy dikateny vitsy mandika ny fomba fiteny Hebreo eto ho "any atsinanana mankany amin'ny ranomasina"
Ireo mety ho heviny dia 1) "ilay fasana dia hanakana" na 2) "ireo tafika maty dia hanakana"
"any no handevenan'ny ankohonan'Israely"
"ho antsoin'ny vahoaka"
"lohasahan'ny Tafika Lehiben'i Goga"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany momban'i Goga.
"7 volana"
"handevina ny tafiky ny vahoakan'i Goga"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany momban'i Goga.
"ny tanin'Israely"
Ity anarana ity dia midika hoe "Tafika Lehibe."
Yaveh manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo vorona sy ireo bibidia.
"ho amin'ny fanasana" na "ho amin'ny famonoana." Ny tian'i Yaveh tenenina dia hoe hanome sakafo tena tsara ho an'ireo vorona sy ireo biby Izy fa tsy hoe hanompo ireo Izy.
DH: "lasa matavy avoko izy rehetra raha niraoka tao Basana."
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo vorona sy ireo bibidia.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany momban'i Goga.
"ho ataoko hitan'ireo firenena ny voninahitro"
Ireo fehezanteny ireo dia samy maneho ny sazy izay ho ampitondrain'i Yaveh an'Israely.
Eto ny teny hoe "tanana" dia maneho ny fahefan'i Yaveh izay ampihariny mba hitondrana fanasaziana.
"hamely ny tafika lehiben'ny vahoakan'i Goga"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany momban'i Goga.
DH: "nijanona tsy nanampy azy ireo sy nikarakara azy ireo Aho."
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 32:22.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany momban'ny ankohonan'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "hamerina ny haren'izy ireo" tao amin'ny 16:53. Na izany aza, ny sasany amin'ireo dikateny amin'izao dia mandika ny fomba fiteny Hebreo eto ho "hamereina an'i Jakoba avy amin'ny fahababoana"
"tsy fahatokiana"
DH: "firenena maro no hahalala fa masina Aho noho izay nataoko ho an'ny ankohonan'Israely.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany momban'ny ankohonan'Israely.
"rehefa mameno ny ankohonan'Israely amin'ny Fanahiko"
1 Tamin'ny taona fahadimy amby roapolon'ny fahababoanay tamin'ny fiandohan'ny taona tamin'ny andro fahafolon'ny volana, tamin'ny fahefatra ambin'ny folo taona taorian'ny nahababo ny tanàna—tamin'izany andro izany ihany, dia teo amiko ny tanan'i Yaveh ary naka ahy tany Izy. 2 Tao anatin'ny fahitana avy tamin'Andriamanitra no nitondrany ahy nankany amin'ny tanin'Israely. Nitondra ahy ho amin'ny fitsaharana tany amina tendrombohitra tena avo Izy; tany atsimo no nisehoan'ireo trano lehiben'ny tanàna. 3 Dia nentiny tany aho. Indro, lehilahy iray! Ny endriny dia niendrika varahina. Tady rongony fotsy sy volotara fandrefesana no teny an-tanany, ary nitsangana teo amin'ny vavahadin'ny tanàna izy. 4 Nilaza tamiko ilay lehilahy hoe: "Ry zanak'olona, mijere amin'ny masonao ary mihainoa amin'ny sofinao, ka atombeno amin'izay rehetra aborako aminao ny sainao, satria nentina taty ianao mba hahafahako mamboraka ireny aminao. Tatero amin'ny ankohonan'Israely ny zavatra rehetra izay ho hitanao." 5 Nisy rindrina nanodidina ny faritry ny tempoly. Ny halavan'ilay volotara fandrefesana teny an-tanan'ilay lehilahy dia enina hakiho, ny halavan'ny hakiho tsirairay dia hakiho iray sy vodivoam-pelantanana iray. Nandrefy ny rindrina izy; izany dia iray volotara fandrefesana ary iray volotara ny haavony. 6 Avy eo dia nandeha nankany amin'ny vavahadin'ny tempoly izay nitodika niatsinanana izy. Niakatra tamin'ny ambaratongan'izany izy ary nandrefy ny tokonan'ny vavahady—iray volotara ny halaliny. [1]7 Ireo efitrano fiambenana dia iray volotara ny halavany ary iray volotara ny sakany; nisy dimy hakiho teo anelanelan'ireo efitrano roa, ary ny tokonam-bavahadin'ny tempoly teo akaikin'ny lavarangan'ny tempoly dia iray volotara ny halaliny. 8 Norefesiny ny lavarangan'ilay vavahady; izany dia iray volotara ny halavany. 9 Nandrefy ny lavarangan'ny vavahady izy. Iray volotara ny halaliny. Ireo tolàna dia roa hakiho ny sakany. Ilay lavarangan'ny vavahady nanandrify ny tempoly izany. 10 Nisy efitrano fiambenana telo teo amin'ny andaniny roan'ny vavahady atsinanana, ary nitovy refy ireo, ary ireo rindrina izay nanasaraka ireo dia nanana refy nitovy. 11 Avy eo dia nandrefy ny sakan'ny fidirana amin'ny vavahady ilay lehilahy—folo hakiho; ary nandrefy ny halavan'ny fidirana amin'ny vavahady—telo ambin'ny folo hakiho. 12 Nandrefy ny rindrina izay nanamorona ny anoloan'ireo efitrano izy—iray hakiho ny haavony. Ireo efitrano dia nirefy enina hakiho isan-dafiny. 13 Dia nandrefy ny fidirana amin'ny vavahady teo amin'ny tafo ka hatramin'ny an'ny efitrano manaraka izy—dimy amby roapolo hakiho, teo amin'ny fidiran'ny efitrano voalohany hatrany amin'ny an'ny faharoa. 14 Nony avy eo dia norefesiny ny rindrina izay teo anelanelan'ireo efitrano fiambenana—enimpolo hakiho ny halavany; norefesiny hatrany amin'ny lavarangan'ny vavahady. 15 Ny fidirana avy teo anoloan'ny vavahady ka hatrany amin'ny faran'ny lavarangan'ny vavahady iray hafa dia dimampolo hakiho. 16 Nisy varavarankely nirindrina nankany amin'ireo efitrano sy nankany amin'ireo andrin'ireo tao amin'ny manodidina an'ireo vavahady rehetra; ary toy izany koa ho an'ireo lavarangana. Nisy varavarankely nanodidina ny tao anatiny, ary ny tsanganana tsirairay dia noravahana hazo rofia. 17 Dia nentin'ilay lehilahy tany amin'ny kianja ivelan'ny tempoly aho. Indro, nisy efitrano, ary nisy rarivato teo amin'ny kianja, niaraka tamina efitrano telopolo teo anilan'ilay rarivato. 18 Niakatra nankany amin'ny ilan'ireo vavahady ilay rarivato, ary ny sakan'izany dia nitovy tamin'ny halavan'ireo vavahady. Izany no rarivato ambany. 19 Avy eo dia nandrefy ny elanelana teo amin'ny anoloan'ny vavahady ambany ka hatreo amin'ny anoloan'ny vavahady anatiny ilay lehilahy; zato hakiho ny tany atsinanana, ary toy izany koa ny tany avaratra. 20 Dia nandrefy ny halavany sy ny sakan'ny vavahady izay tao avaratry ny kianja ivelany izy. 21 Nisy efitrano telo teo amin'ny lafiny roa tamin'izany vavahady izany, ary ilay vavahady sy ny lavarangany dia nirefy nitovy tamin'ny vavahady lehibe—dimampolo hakiho ny fitambaran'ny halavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. 22 Ireo varavarakeliny, lavarangany, efitrano, ary ireo hazo rofia dia nifanaraka tamin'ny vavahady miatsinanana. Fito dingana no niakatra nankany amin'izany sy ny lavarangany. 23 Nisy vavahady tao amin'ny kianja anatiny teo anoloan'ny vavahady nitodika mianavaratra, tahaka izany ihany koa dia nisy vavahady tany atsinanana; nandrefy teo amin'ny vavahady iray ka hatrany amin'ny vavahady iray hafa ilay lehilahy—zato hakiho ny elanelany. 24 Manarak'izany dia nentin'ilay lehilahy nankany amin'ny vavahady fidirana atsimo aho, ka nirefy nitovy tamin'ireo vavahady ivelany hafa ireo rindriny sy lavarangany. 25 Nisy varavarakely nirindrina tao amin'ny fidirana amin'ny vavahady ary ny lavarangany dia tahaka ny tao amin'izany vavahady izany. Ny vavahady atsimo sy ny lavarangany dia nirefy dimampolo hakiho ny halavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. 26 Nisy dingana fito no niakatra nankany amin'ny vavahady sy ny lavarangany, ary nisy sary sokitra rofia tamin'ireo andaniny roa tamin'ny rindrina. 27 Nisy vavahady tao amin'ny kianja anatiny tany amin'ny lafiny atsimo, ka nandrefy teo amin'izany vavahady izany ka hatrany amin'ny vavahady fidirana atsimo ilay lehilahy—zato hakiho ny elanelany. 28 Avy eo dia nentin'ilay lehilahy nankao amin'ny kianja anatiny nanakaiky ny lalan'ny vavahady atsimo aho, izay nanana refy toy ny an'ireo vavahady hafa. 29 Ireo efitranony, rindriny, sy ireo lavarangany nirefy nitovy tamin'ny an'ireo vavahady hafa; nisy varavarankely nanodidina ny lavarangana. Ny vavahady anatiny sy ny lavarangany dia nirefy dimampolo hakiho ny halavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. 30 Nisy lavarangana ihany koa nanodidina ny rindrina anatiny; Ireo dia dimy amby roapolo hakiho ny halavany ary dimy hakiho ny sakany. 31 Izany lavarangana izany dia nanatrika ny kianja ivelany niaraka tamin'ny sary sokitra hazo rofia teo amin'ny rindriny ary valo dingana no niakatra nankany amin'izany. 32 Ary dia nentin'ilay lehilahy nankany amin'ny kianja anatiny nanakaiky ny lalana atsinanana aho ka nandrefy ny vavahady, izay nanana refy nitovy tamin'ireo vavahady hafa. 33 Ireo efitranony, rindriny, sy ny lavarangany dia nirefy nitovy tamin'ireo vavahady hafa, ary nisy varavarakely nanodidina. Ny vavahady anatiny sy ny lavarangany dia nirefy dimampolo hakiho ny halavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. 34 Ny lavarangany dia nanatrika ny kianja ivelany; nisy hazo rofia teo amin'ny andaniny roa tamin'izany ary valo dingana no fiakarana nankany amin'izany. 35 Manarak'izany dia nentin'ilay lehilahy nankany amin'ny vavahady avaratra aho ary norefesina izany; nirefy nitovy tamin'ireo vavahady hafa izany. 36 Ireo efitranony, rindriny, sy ny lavarangany dia nirefy nitovy tamin'ireo vavahady hafa, ary nisy varavarakely nanodidina. Ny fidirana amin'ny vavahady sy ny lavarangany dia nirefy dimampolo hakiho ny halavany ary dimy amby roapolo ny sakany. 37 Ny lavarangany dia nanatrika ny kianja ivelany; nisy hazo rofia teo amin'ny andaniny roa ary valo dingana no fiakarana nankany amin'izany. 38 Nisy efi-trano nisy varavarana teo anilan'ny fidirana amin'ny vavahady anatiny tsirairay. Teo no nanasan'izy ireo ny fanatitra dorana. 39 Nisy latabatra roa isaky ny andanin'ny lavarangana tsirairay, izay namonoana ny fanatitra dorana, ary koa ny fanatitra nohon'ny ota sy ny fanati-panonerana. 40 Teo akaikin'ny rindrin'ny kianja, miakatra mankany amin'ny vavahady tany avaratra, dia nisy latabatra roa. Teo amin'ny andaniny iray hafa koa dia nisy latabatra roa teo amin'ny lavarangan'ny vavahady. 41 Nisy latabatra efatra teo amin'ny andaniny roa akaikin'ny vavahady; namonoan'izy ireo biby teo ambonin'ireo latabatra valo. 42 Nisy latabatra vato tapaka efatra ho an'ny fanatitra dorana, iray hakiho sy sasany ny halavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho ny haavony. Teo amin'ireo no nametrahan'izy ireo ny fitaovana izay namonoan'izy ireo ny fanatitra dorana ho amin'ny sorona. 43 Fihantonan-javatra roa iray vodivoam-pelantanana ny halavany no namehy ny lavarangana manodidina, ary ny nofon'ireo fanatitra dia napetraka teo ambonin'ireo latabatra. 44 Teo akaikin'ny vavahady anatiny, tao anatin'ny kianja anatiny no nisy ny efitranon'ireo mpihira. Ny iray tamin'ireo efitrano ireo dia tany avaratra, ary iray tany atsimo. 45 Koa dia hoy ilay lehilahy tamiko hoe: "Ity efitrano manatrika any atsimo ity dia ho an'ireo mpisorona izay miadidy ao an-tempoly. 46 Ilay efitrano mitodika any avaratra kosa dia ho an'ireo mpisorona niadidy tao amin'ny alitara. Ireo dia zanaka lahin'i Zadoka izay manatona akaiky an'i Yaveh mba hanompo Azy; izy ireo dia isan'ireo zanaka lahin'i Levy." 47 Avy eo izy nandrefy ny kianja—zato hakiho ny halavany ary zato hakiho ny sakany amina efa-joro, niaraka tamin'ny alitara teo anoloan'ilay trano. 48 Avy eo nentin'ilay lehilahy nankany amin'ny lavarangan'ny trano aho ka norefesina ny tolàm-baravaran'izany—dimy hakiho isaky ny andaniny ny hatevin'ireo. Ny fidirana dia efatra ambin'ny folo hakiho ny sakany, ary ireo rindrina isan-dafin'izany dia telo hakiho ny sakany. [2]49 Ny halavan'ny lavarangana dia roapolo hakiho, ary ny halaliny dia iraika ambin'ny folo hakiho. Nisy zana-tohatra niakatra nankany amin'izany ary tsanganana nijoro teo amin'ny andaniny roan'izany. [3][4]
Eto ny hoe "anay" dia maneho an'i Ezekiela sy ireo Israelita izay tany Babylona hatramin'ny fotoana naneren'ireo Babyloniana an'i Joiakima mpanjaka mba hiala ao Jerosalema. DH: "taorian'ny naha-lasa babo anay" na "taorian'ireo Babyloniana naka anay ho babo ho any Babylona."
Ity dia volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahafolo dia amin'ny Aprily amin'ny tetiandro Tandrefana.
DH: "nobaboin'ireo Babyloniana ny tanànan'i Jerosalema"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "ny tanan'i Yaveh" tao amin'ny 1:1.
"nametraka ahy"
"nentin'i Yaveh tany amin'ilay toerana izay nisy ireo trano lehibe aho"
Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa Ezekiela dia gaga tamin'izay hitany.
"tady vita amin'ny rongony fotsy." Ity dia fitaovana handrefesana elanelana tena lava.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 9:1.
Ity dia fitaovana handrefesana elanelana fohy kokoa.
DH: "mifantoha" na "eritrereto ny momban'ny"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
"nandeha tamin'ny lalana rehetra nanodidina ny faritry ny tempoly"
Ity dia teo amin'ny 3,2 metatra teo.
Ny halavan'ny hakiho tsirairay dia teo amin'ny 54 santimetatra. Mety hisafidy ny tsy hampiditra ity fampahafantarana ity ianao raha toa ianao manome refy amin'izao fa tsy "hakiho" toy ny ataon'ny UDB. DH: "ireo dia halavan'ny hakiho, izay halavan'ny hakiho mahazavatra miampy vodivoam-pelatanana iray"
"ny sakan'ny tanana." Ity dia teo amin'ny 8 santimetatra teo.
"iray volotara ny sakany." Ity dia teo amin'ny 3,2 metatra teo.
"ary niakatra ny ambaratongan'ilay vavahady izy"
"avy eo amin'ny sisiny anoloan'ny tokonam-baravarana mankany amin'ny sisiny aoriana"
Ireo dia efitra izay naorina tao anatin'ny vavahady izay nipetrahan'ireo mpiambina mba hiaro ilay vavahady.
eo amin'ny 2,7 metatra eo
"teo anelanelan'ireo efitrano"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 8:16.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 8:16.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 40:5.
eo amin'ny iray metatra eo
Jereo ny fomba nandikanao ireo "halavan'ny" hakiho tao amin'ny 40:5.
"nitovy habe"
"ilay fisokafana izay fidirana eo amin'ilay vavahady"
eo amin'ny 5.4 metatra eo
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe 'halavan'ny" hakiho tao amin'ny 40:5.
eo amin'ny 7 metatra eo.
teo amin'ny 3,2 metatra teo
"54 santimetatra" na "eo amin'ny atsasa-metatra eo"
eo amin'ny 13,5 metatra eo
"ilay fidirana ao amin'ny efitrano faharoa"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 40:5.
eo amin'ny roa amby telopolo metatra eo
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny" hakiho tao amin'ny 40:5.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 8:16. Na izany aza, ireo dikateny amin'izao dia mandika ity teny ity amin'ny fomba hafa; tsy mazava ny heviny.
eo amin'ny fito amby roapolo metatra eo
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 10:3.
Ny teny hoe "indro" eto dia mampiseho antsika fa Ezekiela dia nahita zavatra mahaliana.
rihana fisaka izay vita amin'ny vatolampy
DH: "ary nisy efitra telopolo nanodidina an'ilay rarivato"
eo amin'ny efatra amby dimampolo metatra.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny" hakiho tao amin'ny 40:5.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 40:5.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 8:16.
"nanana refy mitovy"
eo amin'ny fito amby roapolo metatra eo
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny" hakiho tao amin'ny 40:5.
eo amin'ny 13,5 metatra eo
ilay vavahady izay teo amin'ny lafiny tatsinanan'ny tempoly
Ezekiela manohy mamaritra ny fahitana ilay tempoly sy ilay lehilahy izay niendrika varahina
varavarakelin'ilay vavahady izay teo avaratry ny kianja ivelany.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 40:5.
"tahaka ireo izay eo amin'ny vavahady izay nanatrika niatsinanana"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 8:16.
"mivantana mankany amin'ny vavahady manatrika ny avaratra" na "mankany amin'ny kianja ivelany avy eo amin'ny vavahady avaratra" (UDB)
"tahaka izany ihany koa dia nisy vavahady tao amin'ny kianja anatiny teo anoloan'ny vavahady manatrika ny atsinanana"
"avy eo amin'ny vavahady ivelany eo avaratra mankao amin'ny vavahady anatiny eo avaratra"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny" hakiho tao amin'ny 40:5.
eo amin'ny efatra amby dimampolo metatra eo
DH: "tahaka ireo vavahady eo avaratra sy atsinanana"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny" hakiho tao amin'ny 40:5.
eo amin'ny fito amby roapolo metatra eo
eo amin'ny 13,5 metatra eo
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 8:16.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny" hakiho tao amin'ny 40:5.
eo amin'ny efatra amby dimampolo metatra
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 8:16.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 40:5
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 8:16.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny" tao amin'ny 40:5.
eo amin'ny 27 metatra
eo amin'ny 13,5 metatra
eo amin'ny 2,7 metatra
Afaka niditra sy nivoaka izay avy eo amin'ny kianja ny olona
"ary nisy sary sokitra hazo rofia izany"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny" tao amin'ny 40:5.
eo amin'ny fito amby roapolo metatra eo
eo amin'ny 13,5 hakiho
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny" tao amin'ny 40:5.
eo amin'ny fito amby roapolo metatra eo
eo amin'ny 13,5 hakiho
"isakin'ny vavahady anatiny"
Ny hoe "izy ireo" dia maneho ny vahoaka na ireo mpisorona izay nitondra fanatitra
"teo amin'ny andaniny roa"
DH: "novonoin'izy ireo ilay fanatitra dorana" na "novonoin'izy ireo ireo biby izay ho doran'izy ireo ho fanatitra."
'"izay vita tamin'ny vato izay notapahana"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny" tao amin'ny 40:5.
eo amin'ny 0,8 metatra
eo amin'ny atsasa-metatra
DH: "nanodidina an'ilay lavarangana ny olona dia nanantona farango izay nirefy vodivoampelatanana iray ny halavany ary nanana lohany roa"
zavatra izay misy lohany miolana roa, izay afaka hanantonan'ny olona zavatra
DH: "hametraka ny nofon'ireo fanatitra eo amin'ireo latabatra izy ireo"
Ity dia ilay vavahady anatiny any avaratra
"efitrano ho an'ireo mpihira" Na izany aza, ny dikateny amin'izao sy taloha dia mamaky hoe "efitrano" fotsiny, fa tsy manisy ireo mpihira
Ity fehezanteny ity dia midika hoe "ilay efitrano izay manana ny fidirany lehibe ao amin'ny lafiny atsimo"
DH: "izay miasa ao an-tempoly" (UDB) na "izay tompon'andraikitra amin'ny fiambenana ny tempoly"
Manohy miresaka amin'i Ezekiela ao amin'ilay fahitana ilay lehilahy
"izay manana ny fidirany lehibe ao amin'ny lafiny avaratra"
"avy eo ilay lehilahy"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny" tao amin'ny 40:5.
eo amin'ny efatra amby dimampolo
"ary ilay alitara dia"
Ity dia maneho ny tempoly
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny .
"tolàm-baravaran'ilay trano"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny" tao amin'ny 40:5.
eo amin'ny 2,7 metatra
eo amin'ny 7,5 metatra
eo amin'ny 1,6 metatra
eo amin'ny iraika ambin'ny folo metatra
eo amin'ny enina metatra
ampaham-bato izay lava sy tery avokoa ary manohana trano lehibe
1 Avy eo ilay lehilahy nitondra ahy ho any amin'ny toerana masin'ilay tempoly ary nandrefy ireo tolam-baravarana—enina hakiho ny sakany amin'ny lafiny rehetra. [1]2 Ny sakan'ilay tolam-baravarana dia folo hakiho; dimy hakiho ny halavan'ny rindrina amin'ny lafiny tsirairay. Avy eo ilay lehilahy nandrefy ny refin'ilay fitoerana masina—efapolo hakiho ny halavany ary roapolo hakiho ny sakany. 3 Avy eo ilay lehilahy nandeha tany amin'ilay toerana masina indrindra ary nandrefy ny tolam-baravarana—roa hakiho, ary enina hakiho ny sakan'ilay varavarana. Fito hakiho ny sakan'ny rindrina amin'ny lafiny rehetra. 4 Avy eo nandrefy ny halavan'ilay efitra izy—roapolo hakiho. Ny sakany—roapolo hakiho eo anoloan'ny efitrano lehiben'ny tempoly. Dia hoy izy tamiko hoe: "Ity ny toerana masina indrindra." 5 Avy eo ilay lehilahy nandrefy ny rindrin'ilay trano—enina hakiho ny hateviny. Ny sakan'ny lafin'ny efitra tsirairay manodidina ny trano dia efatra hakiho. 6 Nisy paosin-trano nifanongoa telo, efitra iray ambonin'ny iray hafa, efitra telopolo isakin'ny ambaratonga. Nisy rindrina avo nanodidina ny rindrin'ny trano, mba hanohana ireo lafin'ny efitra rehetra, satria tsy nisy tohana napetraka teo amin'ny rindrin'ilay trano. 7 Koa niha-nalalaka ireo lafin'ny efitra ary nandeha nihodikodina niakatra, satria nihodikodina niha-avo nanodidina rehetra ilay trano; niha-nalalaka ireo efitra arakarakin'ny niakarany, ary nisy tohatra niakatra nakany amin'ny ambaratonga avo indrindra, amin'ny alalan'ny ambaratonga afovoany. 8 Avy eo nahita tokontany nasandratra nanodidina ny trano rehetra aho, ilay fototra ho an'ny paosin-trano; nirefy eran'ny volotara ny halavan'izany—enina hakiho. 9 Ny sakan'ilay rindrin'ny paosin-trano any ivelany dia dimy hakiho. Nisy toerana malalaka teo ivelan'ireo efitra ao amin'ny fitoerana masina ireo. 10 Teo amin'ny lafiny ilan'io toerana malalaka io dia nisy ny paosin-trano ivelany an'ny mpisorona; roapolo hakiho ny sakan'io toerana io manodidina ny fitoerana masina rehetra. 11 Nisy varavarana teo amin'ny paosin-trano mankany amin'ny toerana malalaka hafa—varavarana iray teo amin'ny lafiny avaratra, ary ny iray hafa teo amin'ny ilany atsimo. Dimy hakiho ny sakan'io toerana malalaka io manodidina rehetra. 12 Ary ilay trano lehibe izay nanatrika ilay kianja teo amin'ny lafiny andrefana dia fitopolo hakiho ny sakany. Dimy hakiho ny refin'ny hatevin'ny rindriny manodidina rehetra, ary sivifolo hakiho ny halavany. 13 Avy eo ilay lehilahy nandrefy ilay fitoerana masina—zato hakiho ny halavany. Ary ilay trano voatokana, ny rindriny, sy ny kianja dia nirefy zato hakiho ihany koa ny halavany. 14 Zato hakiho ihany koa ny sakan'ny anoloan'ny kianja eo anoloan'ilay fitoerana masina. 15 Avy eo ilay lehilahy nandrefy ny halavan'ny trano tao aorian'ilay fitoerana masina, teo andrefany, ary ireo lalantsara ivelany amin'ny andaniny roa—zato hakiho. Ilay fitoerana masina sy ny lavarangana, 16 ireo rindrina anatiny sy ireo varavarakely, isan'izany ireo varavarakely makarakara, ary ireo lalantsara ivelany manodidina ireo ambaratonga telo, dia samy natao tamin'ny hazo avokoa. 17 Eo ambonin'ny lalantsara mankao amin'ny fitoerana masina anatiny sy ny elanelan'ireo rindrina dia nisy hazo rofia natao sary sokitra. 18 Voaravaka kerobima sy hazo rofia izany; miaraka amin'ny hazo rofia eo anelanelan'ny kerobima tsirairay, ary ny kerobima tsirairay dia nanana tarehy roa: 19 tarehin-dehilahy iray manatrika hazo rofia ny eo amin'ny andaniny, ary tarehina liona tanora mijery manatrika hazo rofia ny eo amin'ny ankilany. Voasokitra manodidina ny trano rehetra ireo. 20 Avy eo amin'ny tany mankany ambonin'ny vavahady, dia nisy kerobima sy hazo rofia voasokitra teo amin'ny rindrina ivelan'ny trano. 21 Efa-joro ny tolan'ny toerana masina. Ny endrik'ireo dia toy ny endriky 22 ny alitara vita amin'ny hazo anoloan'ilay toerana masina, izay telo hakiho ny haavony ary roa hakiho ny halavany amin'ny lafiny tsirairay. Ny zorony, fotony, ary ny rafitrany dia vita tamin'ny hazo. Avy eo ilay lehilahy niteny tamiko hoe: "Ity no latabatra izay mijoro eo anatrehan'i Yaveh." [2]23 Nisy varavarana roa ho an'ilay toerana masina sy ilay toerana masina indrindra. 24 Ireo varavarana ireo dia samy kopa-droa, lela-varavarana roa amin'ny varavarana iray ary lela-varavarana roa amin'ny iray hafa. 25 Voasokitra teo amin'izy ireo—teo amin'ireo varavaran'ilay toerana masina—ny kerobima sy hazo rofia tahaka ny nandravahana an'ireo rindrina, ary nisy tafo hazo teo amin'ny lavarangana eo anoloana. 26 Nisy varavarakely makarakara sy hazo rofia teo amin'ny lafin'ny lavarangana rehetra. Ireo no paosin-tranon'ilay trano, ary nanana tafo mihoatra ihany koa ireo.
Ilay lehilahy ao amin'ny fahitan'i Ezekiela (40:3) dia manohy mampiseho an'i Ezekiela manodidina ny tempoly
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny" tao amin'ny 40:5.
"tahaka ny sakan'ilay toerana masina" na "mitovy amin'ny sakan'ilay toerana masina"
Jereo ny nandikanao ny hoe "volotara" tao amin'ny 40:5.
"ny andanin'ny efitranon'ireo mpisorona izay ivelan'ny fitoerana masina kokoa"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 40:28.
"lavarangana." Ny lalantsara ivelany dia toerana izay naorina eny ambony kokoa noho ny ambin'ny trano. Ny olona dia afaka mandeha eny amin'ireo lalantsara ivelany ary mijery ny rihana lehiben'ilay trano.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 8:16.
manao zavatra ho tsara matetika amin'ny fametrahana zavatra eo amin'izany.
"ilay fitoerana masina"
"ilay toerana masina sy ilay toerana masina indrindra dia samy nisy varavarana roa"
"ny varavarana tsirairay dia nanana fizarana roa izay teo amin'ny savily." Ny savily dia mametaka ny varavarana amin'ny rindrina ary mamela ireo varavarana hikopakopaka.
"ireo varavarana roa samy ho an'ny toerana masina roa ary ilay toerana masina indrindra dia nanana faritra roa"
"tahaka ireo rindrina nisy sary sokitra kerobima sy hazo rofia ihany koa"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 8:16.
1 Taorian'izay dia nentin'ny lehilahy nivoaka tany amin'ny kianja ivelany tany amin'ny lafiny avaratra aho, ary nentiny tao amin'ny efi-trano tandrifin'ilay kianja ivelany sy ny rindrina avaratra ivelany. 2 Ireo efi-trano ireo dia zato hakiho ny eo anoloany ary dimampolo hakiho ny sakany. 3 Ny sasany amin'ireo efitrano ireo dia manatrika ny kianja anatiny ary roapolo hakiho ivelan'ny fitoerana masina. Ambaratongan-trano telo no tao, ary ireo ambony dia nijery ambany amin'ireo ambany ary nisokatra tamin'izy ireo, manana lalantsara. Ny efitrano sasany dia nitzana teo amin'ny kianja ivelany. 4 Lalana folo hakiho no teo amin'ny sakany ary zato hakiho ny sakany no mankeo alohan'ireo efi-trano. Nanatrika ny avaratra ny varavaran'ireo efitrano. [1]5 Fa ireo efitrano ambony dia kelikely, ny lalantsara dia naka toerana malalaka noho ny ambany sy ny afovoan'ny ambaratongan'ny trano be. 6 Fa ireo efitrano any amin'ny rihana fahatelo dia tsy nanana andry, tsy tahaka ireo kianja, izay tokony hanana andry. Koa ny ambaratongan'ny efitrano avo indrindra dia kely habe raha mihoatra amin'ireo efitrano any ambany indrindra sy ireo ambaratonga afovoany. 7 Ny rindrina any ivelany dia nanaraka ny efitra manatrika ny kianja ivelany, ilay kianja izay manoloana ireo efitrano. Izany rindrina izany dia dimampolo hakiho ny halavany. 8 Ny halavan'ireo efitranon'ny kianja ivelany dia dimampolo hakiho, ary ireo efitrano manatrika ny fitoerana masina dia zato hakiho ny halavany. 9 Nisy fidirana teo amin'ny efitrano ambany indrindra mankany amin'ny lafiny atsinanana, miditra avy ao amin'ny kianja ivelany. 10 Nanerana ny rindrin'ny kianja ivelany ao amin'ny lafiny atsinanan'ny kianja ivelany, nanoloana ny kianja anatin'ny fitoerana masina, dia nisy efitrano ihany koa [2]11 niaraka tamin'ny lalana nanoloana azy ireo. Izy ireo dia endrik'ireo efitrano amin'ny lafiny avaratra. Nitovy ny halavan'izy ireo sy ny sakany ary ireo fivoahana sy ireo fifanarahana ary ireo varavarana. 12 Teo amin'ny lafiny atsimo no nisy ireo varavarana eo amin'ny efitrano izay mitovy amin'ny eo amin'ny lafiny avaratra. Ny lalana ao anatiny dia nisy varavarana teo amin'ny lohany, ary ilay lalana dia nisokatra ho an'ireo efitrano isan-karazany. Teo amin'ny lafiny atsinanana dia nisy vavahady nankao amin'ny lalana mankany amin'ny farany iray. 13 Dia hoy ilay lehilahy tamiko hoe: "Ny efitrano avaratra sy ny efitrano atsimo izay manoloana ny kianja ivelany dia efitrano masina izay hihinanan'ireo mpisorona izay miasa eo akaikin'i Yaveh ny sakafo masina indrindra. Ao no ametrahan'izy ireo ny zavatra izay masina indrindra—ny fanatitra sakafo, ny fanatitra nohon'ny ota, ary ny fanatitra nohon'ny heloka—satria toerana masina io. 14 Raha miditra ao ny mpisorona, aoka izy ireo tsy hiala ao amin'ny toerana masina ho any kianja ivelany, raha tsy mametraka akaiky ny fitafiana izay nanompoan'izy ireo, satria masina ireo. Koa aoka izy ireo hitafy fitafiana hafa mialoha ny fanatonana olona." 15 Vitan'ilay lehilahy ny fandrefesana ny tao anatin'ny trano ary nentiny nivoaka tany amin'ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho ary norefesiny ny faritra manodidina rehetra teny. 16 Nandrefy ny lafiny atsinanana tamin'ny volotara fandrefesana izy—diman-jato hakiho tamin'ny volotara fandrefesana. [3]17 Norefesiny ny lafiny avaratra—diman-jato hakiho tamin'ny volotara fandrefesana. [4]18 Norefesiny ihany koa ny lafiny atsimo—diman-jato hakiho tamin'ny volotara fandrefesana. [5]19 Navadiny sy norefesiny koa ny lafiny andrefana—diman-jato hakiho tamin'ny volotara fandrefesana. [6]20 Norefesiny tamin'ny lafiny efatra izany. Nanana rindrina manodidina azy izany izay diman-jato hakiho ny halavany, ary diman-jato hakiho ny sakany, mba hampisarahana ny masina amin'izay iombonana.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 10:3.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 8:16.
"ary nitazana ny kianja anatiny"
"satria nisy toerana iray izay afaka nandehananao nanaraka ireo efitra"
"kely kokoa noho ireo efitra"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 40:8.
"teo amin'ny fiantombohany"
Ity dia fanatitra voa na lafarinina. Ny olona dia nanolotra "fanatitra sakafo" mba hampisehoana fa feno fisaorana an'Andriamanitra izy ireo.
Norefesin'ilay lehilahy izay niendrika toy ny varahina. (jereo ny 40:3)
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 40:5.
"Ilay trano dia nanana rindrina nanodidina an'izany izay nanana halava."
1 Avy eo ilay lehilahy nitondra ahy teo amin'ny vavahady izay nisokatra niatsinanana. 2 Indro! Tonga avy any atsinanana ny voninahitr'ilay Andriamanitr' Israely; tahaka ny feon'ny rano maro ny feony, ary namiratry ny voninahiny ny tany. 3 Izany dia araka ny fisehoan'ny fahitana izay hitako, araka ny fahitana izay hitako raha tonga handrava ny tanàna Izy, ary ireo fahitana dia tahaka ny fahitana izay hitako tao amin'ny Lakan-dranon'i Kebara—ary niankohoka tamin'ny tavako aho. [1] . 4 Koa tonga tao an-trano tamin'ny lalana mankany am-bavahady izay nisokatra niatsinanana ny voninahitr'i Yaveh. 5 Dia nanainga ahy ny Fanahy ary nitondra ahy tao anatin'ny kianja. Indro! Nameno ny trano ny voninahitr'i Yaveh. 6 Nijoro teo akaikiko ilay lehilahy, ary nandre olon-kafa niresaka tamiko avy tao an-trano aho. 7 Hoy Izy tamiko: "Ry zanak'olona, ity no fitoeran'ny seza fiandrianako sy fitoeran'ny faladian-tongotro, izay hipetrahako eo afovoan'ny vahoakan'Israely mandrakizay. Tsy hanimbazimba ny anarako masina intsony ny ankohonan'Israely—izy ireo na ny mpanjakan'izy ireo—amin'ny tsy finoana na amin'ny fatin'ireo mpanjakany teo amin'ireo toerana avony. 8 Tsy hanimbazimba ny anarako masina amin'ny fametrahana ny tokonam-baravaran'izy ireo akaikin'ny tokonam-baravarako intsony izy ireo, ary ireo tsanganam-bavahadin'izy ireo akaikin'ny tsanganam-bavahadiko, na amin'ny inona na inona afa-tsy manda iray eo anelanelako sy izy ireo. Nanimbazimba ny anarako masina tamin'ireo asa maharikorikony izy ireo, koa handevona azy ireo amin'ny fahatezerako Aho. 9 Ankehitriny aoka izy ireo hanala ny tsy finoan'izy ireo sy ireo fatin'ny mpanjakany eo anoloako, dia hipetraka eo afovoan'izy ireo mandrakizay Aho. 10 Ry zanak'olona, ianao mihitsy no aoka hilaza momba izany trano izany amin'ny ankohonan'Israely mba ho menatra noho ireo helony izy ireo. Tokony hihevitra momba izany famaritana izany izy ireo. 11 Fa raha menatra noho izay rehetra nataony izy ireo, dia ambarao amin'izy ireo ny sarin-trano, ny antsipirihany, ny fivoahany, ny fidirany, sy ny sariny rehetra, ary ny didy aman-dalàny rehetra. Dia soraty eo imason'izy ireo izany mba hitandremany ny sarin'izany sy ny didin'izany rehetra, ka hankato ireny. 12 Izao no fitsipika ho an'ny trano: Hatreny amin'ny tampon'ny havoana manodidina ny faritra rehetra manodidina izany, dia ho masina indrindra. Indro! Izany no ho fitsipika ho an'ny trano. 13 Ireto no ho refin'ny alitara amin'ny hakiho—izany hakiho izany dia ho hakiho mahazatra ary vodivoam-pelatanana amin'ny halavany. Koa ny fantsona manodidina ny alitara dia ho hakiho lalina, ary ny sakany dia ho hakiho iray ihany koa. Ny faritra manodidina ny sisiny manodidina dia ho irain-jehy. Izany no ho fototry ny alitara. 14 Avy eo amin'ny fantsona miakatra any amin'ny rindrina avo amin'ny alitara dia roa hakiho, ary ny rindrina dia iray hakiho ny sakany. Ary avy eo amin'ny rindrina kely miakatra amin'ny velaran'ny sisin'ny alitara, dia efatra hakiho izany, ary ny velaran'ny sisiny dia iray hakiho ny sakany. 15 Ny fatana eo amin'ny alitara ho an'ny fanatitra dorana dia efatra hakiho ny halavany, ary misy tandroka efatra manondro miakatra eo amin'ny fatana. 16 Ny fatana dia roa ambin'ny folo hakiho ny halavany ary roa ambin'ny folo hakiho ny sakany, efa-joro. 17 Ny faritr'izany dia efatra ambin'ny folo hakiho ny halavany ary efatra ambin'ny folo ny sakany amin'ny lafiny efatra tsirairay avy, ary ny morony dia antsasa-hakiho. Ny fantsona dia iray hakiho ny sakany manodidina rehetra ary ireo zana-tohatr'izany dia mitodika any atsinanana." 18 Manarak'izany dia hoy Izy tamiko hoe: "Ry zanak'olona, izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ireto no fitsipika ho an'ny alitara amin' ny andro anaovan'izy ireo izany, ho an'ny fanandratana ny fanatitra dorana ao anatin'izany, ary ho an'ny famafazan-drà eo amin'izany. 19 Hanolotra omby lahy avy amin'ny biby fiompy ho fanatitra nohon'ny ota ho an'ireo mpisorona Levita izay taranak'i Zadoka ianao, dia ireo izay nanakaiky Ahy mba hanompo Ahy—izany ny fanambaran'ny Tompo Yaveh. 20 Avy eo ianao haka ny sasany amin'ny ràn'izany ary hametraka izany eo amin'ny alitaran'ny tandroka efatra sy ny lafy efatry ny sisiny ary eo amin'ny morony manodidina; hanadio izany ianao ka hanao fanavotana ho an'izany. 21 Dia makà omby lahy ho fanatitra nohon'ny ota ka dory eo amin'ny faritra voatendry ao amin'ny faritry ny tempoly ivelan'ny fitoerana masina izany. 22 Ary amin'ny andro faharoa ianao dia hanolotra osy lahy tsy misy kilema avy amin'ireo osy ho fanatitra nohon'ny ota; hanadio ny alitara tahaka ny nanadiovany izany tamin'ny omby lahy ireo mpisorona. 23 Rehefa vitanao ny fanadiovana izany, dia manolora omby lahy tsy misy kilema avy amin'ny biby fiompy ary ondry lahy tsy misy kilema avy amin'ny ondry aman'osy. 24 Atolory eo anatrehan'i Yaveh ireo; dia handraraka sira eo amin'ireo ny mpisorona ka hanandratra ireo ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh. 25 Manomàna ianao osy lahy ho fanatitra nohon'ny ota isan'andro mandritry ny hafitoana, ary aoka ireo mpisorona hanomana omby lahy tsy misy kilema amin'ny biby fiompy ary ondry lahy tsy misy kilema avy amin'ny ondry aman'osy ihany koa. 26 Aoka izy ireo hanonitra ny alitara hateloana ka hanadio izany, ary amin'izany fomba izany no hanamasinan'izy ireo izany. 27 Aoka hameno ireo andro ireo izy ireo, ary amin'ny andro fahavalo sy manaraka izany dia hanomana ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo eo amin'ny alitara ireo mpisorona, dia hankasitraka anareo Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh."
Ny teny hoe "indro" eto dia manaitra antsika mba hifantoka amin'ny fampahafantarana manaraka.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "tahaka ny tabataban'ny rano mikoriana" tao amin'ny 1:24.
"feno hazavana mamiratra ny tany"
Ny teny hoe "izany" dia maneho ilay fahitana ny voninahitr'Andriamanitra tonga avy any atsinanana.
Ireo mety ho heviny dia 1) "raha tonga hamotika ilay tanàna ilay Andriamanitr'Israely" na 2) "raha tonga hijery an'ilay Andriamanitr'Israely mamotika ilay tanàna aho"
Eto ny hoe "faty" dia maneho an'ireo sampy izay notompoin'ny vahoakan'ireo vahoaka. Antsoina hoe faty ireo sampy satria tsy velona izy ireo.
"Nanimbazimba ny anarako masina ny ankohonan'Israely"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:9.
Ity fehezanteny ity dia midika hoe "noravaiko tanteraka izy ireo satria tezitra Aho."
Eto ny hoe "faty" dia maneho ireo sampy izay notompoin'ireo vahoakan'ny mpanjaka. Antsoina hoe faty ireo sampy satria tsy velona ireo.
"izany modely izany" na "izany rafitra izany"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 21:6.
"hitandrina ny modely"
"toromarika"
Ny teny hoe "faritra" dia mety maneho ny rindrina izay mankany amin'ny lalana rehetra manodidina ny tempoly.
"tena masina tanteraka"
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy manamafy an'izay manaraka. Izany dia afaka adika koa hoe "eny tokoa!"
"ny faritra miodidina ny sisiny"
"ireo no ho refin'ny fototry ny alitara."
"ny ambany manohana an'ilay alitara"
velarana tery sy fisaka izay miraikitra amin'ny rindrina
ilay toerana izay nandrahoana na nandoroana ireo sorona tamin'ny afo
Ny tandroka dia faritra amin'ny alitara eo amin'ny zorony efatry ny alitara izay miraikitra eo ambonin'ny ambin'ny alitara.
"hoy Yaveh"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
"toromarika"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "ianao" tao amin'ny 43:18.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 43:18.
Ilay alitara izay hanaovan'izy ireo sorona an'ilay omby sy ondry lahy, dia eo anoloan'ny Tempoly izay hitoeran'ny fanatrehan'i Yaveh.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "ianao" tao amin'ny 43:18.
Ianareo no ampiasaina eto satria maneho ny vahoakan'Israely amin'ny ankapobeny.
"handray anareo amim-pakasitrahana" na "ho faly aminareo"
1 Dia nitondra ahy niverina tany amin'ny vavahady ivelan'ny fitoerana masina izay manatrika miatsinanana ilay lehilahy; nihidy mafy izany. 2 Hoy Yaveh tamiko hoe: "Voatombo-kase io vavahady io; tsy ho voasokatra izany. Tsy hisy olona handalo eo amin'izany, satria Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, no nandalo tamin'izany, ka dia voahidy mafy izany. 3 Ny mpanapak'Israely dia hipetraka amin'izany mba hihinan-kanina eo anoloan'i Yaveh. Hiditra amin'ny lalan'ny lavarangan'ny vavahady izy ary hivoaka amin'iny lalana iny ihany." 4 Avy eo dia nentiny tamin'ny lalan'ny vavahady avaratra izay manatrika ny trano aho. Ka nijery aho ary indro, ny voninahitr'i Yaveh nameno ny tranon'i Yaveh, ary nikarapoka niankohoka aho. 5 Dia hoy Yaveh tamiko hoe: "Ry zanak'olona, mandiniha tsara ary mijere amin'ny masonao ary mihainoa amin'ny sofinao ny amin'izay rehetra efa ambarako aminao, ny amin'ny lalàn'ny tranon'i Yaveh rehetra sy ny didy amam-pitsipik'izany rehetra. Saino ny momban'ny fidirana sy ny fivoahana ao amin'ilay trano. 6 Ary lazao amin'ireo izay mpikomy, ny ankohonan'Israely hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Aoka ho ampy anareo ireo asa maharikorikonareo rehetra, ry ankohonan'Israely— 7 izay nitondranareo vahiny tsy mifora fo sy tsy mifora nofo mba ho ao amin'ny fitoerako masina, maniratsira ny tranoko, raha nanolotra sakafo ho Ahy ianareo, sabora sy rà—nanapaka ny fanekem-pihavanako tamin'ireo fihetsikareo maharikoriko rehetra ianareo. 8 Tsy nanatanteraka ireo adidinareo momban'ny zavatro masina ianareo, fa nanendry olon-kafa ianareo mba haka ireo adidinareo, ary nanendry azy ireo mba hikarakara ny fitoerako masina. 9 Hoy ny Tompo Yaveh hoe: Tsy misy vahiny, tsy voafora fo sy nofo, avy amin'izay monina eo amin'ny vahoakan'Israely, afaka hiditra eo amin'ny fitoerako masina. 10 Ankehitriny dia nanalavitra Ahy ireo Levita—nirenireny niala tamiko izy ireo, manara-dia ireo sampiny—fa hanefa ny amin'ny fahotan'izy ireo izy ireo. 11 Mpanompo ao amin'ny fitoerako masina izy ireo, miandry ny vavahadin'ny trano sy manompo ao amin'ny trano ary mamono ny fanatitra dorana sy ny soron'ny vahoaka izy ireo, ary hijoro manoloana ny vahoaka izy ireo ka hanompo azy ireo. 12 Nefa noho izy ireo efa nanatanteraka ny soron'izy ireo nanoloana ireo sampiny, dia tonga vato manafintohina eo anoloako nohon'ny ota tamin'ny vahoakan'Israely izy ireo. Noho izany dia hatsangako ny tanako hianiana fianianana hanohitra azy ireo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—hitondra ny saziny izy ireo. 13 Tsy hanatona akaiky Ahy mba hiasa toy ny mpisoroko na hanatona izay mety ho zavatro masina izy ireo, ireo zavatra masina indrindra. Fa kosa, hitondra ny fahafam-barakany sy ny heloky ny asa maharikoriko izay nataony izy ireo. 14 Fa hapetrako ho mpiambina ny asa ao amin'ny trano izy ireo, ny amin'ny adidin'izany rehetra sy izay rehetra atao anatin'izany. 15 Ary ireo Levita mpisorona, dia ireo zanak'i Zadoka izay nanatanteraka ny adidin'ny fitoerako masina raha nirenireny niala tamiko ny vahoakan'Israely—hanatona akaiky Ahy izy ireo mba hanompo Ahy. Hitsangana manoloana Ahy izy ireo mba hanolotra ny sabora sy ny rà—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 16 Ho avy ao amin'ny fitoerako masina izy ireo; hanatona ny latabatro mba hanompo Ahy izy ireo ary hanatanteraka ireo adidiny Amiko. 17 Noho izany rehefa manatona ny vavahadin'ny kianja anatiny izy ireo, dia mila mitafy lamba rongony fotsy, satria izy ireo tsy mahazo miditra miaraka amin'ny volon'ondry ao anatin'ny vavahadin'ny kianja anatiny sy ny tranon'izany. 18 Tokony hisy hamama rongony fotsy ny lohan'izy ireo ary atin'akanjo rongony fotsy eo amin'ny valahany. Aoka izy ireo tsy hitafy akanjo izay mampahatsemboka azy ireo. 19 Rehefa mivoaka ho eo amin'ny kianja ivelany izy ireo, ho eo amin'ny kianja ivelany mba handeha ho any amin'ny vahoaka, dia aoka hanala ny akanjo izay nanaovany tamin'izy ireo nanompo; aoka ho esorin'izy ireo izany ary hapetrak'izy ireo ambany ao amin'ny efitra masina, ka tsy hamela olon-kafa ho masina amin'ny fikasohana ny akanjony miavaka izy ireo. 20 Ary koa aoka izy ireo tsy hanaratra ny lohan'izy ireo na hamela ny volon'izy ireo hiraviravy an-kalalahana, fa aoka izy ireo hikarakara ny volon-dohan'izy ireo. 21 Tsy tokony hisy mpisorona hisotro divay raha mankeo amin'ny kianja anatiny, 22 na haka mpitondratena na vehivavy nisara-bady ho vadiny, fa virijiny avy amin'ny ankohonan'Israely ihany na mpitondratena izay nanambady mpisorona teo aloha. 23 Fa hampianatra ny oloko ny fahasamihafana eo amin'ny masina sy tsy masina izy ireo; hampahafantatra azy ireo ny maloto amin'ny madio izy ireo. 24 Amin'ny fifandirana no hitsanganan'izy ireo hitsara miaraka amin'ireo didiko; aoka ho marina izy ireo. Hitandrina ny lalàko sy ireo didiko izy ireo amin'ny fanasana rehetra, ary hankalaza ny Sabatako masina izy ireo. 25 Tsy handeha any amin'ny fatin'olona mba ho lasa maloto izy ireo, raha tsy hoe ray na renin'izy ireo izany, zanaka lahy na zanaka vavy, rahalahy na anabavy izay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lehilahy; raha tsy izany, hanjary maloto izy ireo. 26 Aorian'ny mampaloto ny mpisorona, dia hanisa hafitoana ho azy izy. 27 Amin'ny andro izay idirany ao amin'ny toerana masina, ao amin'ny kianja anatiny mba hanompo ao amin'ny toerana masina, dia aoka hitondra fanatitra nohon'ny ota ho azy izy—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 28 Izao no ho lovan'izy ireo: Izaho no lovan'izy ireo, ary aoka ianareo tsy hanome fananana eo amin'Israely ho azy ireo; Izaho no ho fananan'izy ireo! 29 Hihinana ny fanatitra hohanina izy ireo, ny fanatitra nohon'ny ota, ny fanatitra nohon'ny heloka, ary izay rehetra feno fanoloran-tena ho an'i Yaveh ao Israely, dia ho azy ireo. 30 Ny tsara indrindra amin'ireo voaloham-bokatra amin'ny zavatra rehetra sy ny fandraisana anjara rehetra, na inona na inona avy amin'ny fandraisanareo anjara rehetra dia ho an'ny mpisorona, ary hanome ny tsara indrindra amin'ny fanatitra sakafonareo ho an'ny mpisorona ianareo mba hitoeran'ny fitahiana ao an-tranonareo. 31 Ireo mpisorona dia tsy hihinana fatim-biby na biby voaviravira, na vorona na biby.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 40:5.
DH: "tsy hisy hanokatra izany"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 8:3.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 8:16.
"eo anatrehan'i Yaveh" na "eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"
Ireo mety ho heviny dia 1) "avy eo dia nentin'ilay lehilahy" na 2) "avy eo nentin'i Yaveh"
Ny teny hoe "indro" eto dia mampiseho fa Ezekiela dia gaga tamin'izay hitany.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:12.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:27.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "atombeno ny sainao" tao amin'ny 40:3.
"ireo toromarika rehetra momban'ny tranon'i Yaveh"
"mihoatra noho ny ampy ireo asa maharikorikonareo" na "nanao asa maharikoriko maro loatra ianareo"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:9.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely.
"ho mpanompo ao amin'ny tempoliko"
"fanaovana asa fiambenana eo amin'ireo vavahdin'ny trano"
"hijoro manoloana ny vahoaka ireo Levita ireo, mba hahafahan'izy ireo manompo ny vahoaka"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "nanandratra ny tanako mba hianiana fianianana" tao amin'ny 20:4.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely.
"ireo Levita ireo"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "manatona akaiky" tao amin'ny 40:46.
"ho menatra sy hijaly amin'ny vokatry ny"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:9.
olona izay miambina na mikarakara zavatra na olona ny asany
DH: "izay mila ataon'izy ireo ao amin'izany"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely
"izay taranak'i Zadoka ary nanatanteraka"
Ity dia midika hoe "nitsahatra tsy nihaino sy tsy nankato Ahy."
"hanatona Ahy"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely momban'ny taranak'i Zadoka izay manompo ho mpisorona.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 8:16.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 9:1.
akanjo vita amin'ny volo malefaky ny ondry.
Ny hamama dia saron-doha izay vita amin'ny akanjo lava fonosina manodidina ny loha.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely momban'ireo taranak'i Zadoka izay manompo ho mpisorona.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 10:3.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely momban'ireo taranak'i Zadoka izay manompo ho mpisorona.
manety volon'olona iray ho tena fohy mba ho mora ny mahita ny hoditr'ilay olona.
"hanety ny volon-dohan'izy ireo mba tsy ho lava loatra na fohy loatra izany"
vehivavy izay maty vady
"izay taranaky ny vahoakan'Israely"
Jereo ny fomba nadnikanao ity tao amin'ny 3:1.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely momban'ireo taranak'i Zadoka izay manompo ho mpisorona.
"fandresen-dahatra"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely momban'ireo taranak'i Zadoka izay manompo ho mpisorona.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely momban'ireo taranak'i Zadoka izay manompo ho mpisorona.
Ny teny hoe "ianareo" dia maneho ny vahoakan'Israely
tany izay ananan'ny olona sy ampiasaina mba hamatsy ny filàn'ny fianakaviany
"ao amin'ny tanin'Israely"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely momban'ireo taranak'i Zadoka izay manompo ho mpisorona.
Eto ny hoe "voaloham-bokatra" dia mety midika hoe ireo zavatra tsara indrindra eo amin'ireo fanatitra rehetra natokana homena an'Andriamanitra.
"ary ny fanomezana rehetra na inona na inona karazany avy amin'ireo fanomezanareo rehetra"
Ity fehezanteny ity dia midika hoe "mba hitahiako ny fiankavianreo sy ny zavatra rehetra izay anareo"
DH: "na zavaboary izay noviravirain'ny vorona na bibidia."
1 Rehefa miloka mba hizarana ny tany ho lova ianareo, dia aoka hanao fanatitra ho an'i Yaveh; io fanatitra io dia ho zara masin'ilay tany, dimy arivo sy roa alina hakiho ny halavany, ary iray alina hakiho ny sakany. Ho masina izany, ny faritra rehetra manodidina izany. [1]2 Avy eo amin'zany dia hisy efa-joro izay mirefy dimanjato hakiho tora-droa manodidina ny toerana masina, miaraka amin'ny rafitra manodidina izay mirefy dimapolo hakiho ny sakany. 3 Avy eo amin'io faritra io no handrefesanao ampahany iray izay dimy arivo sy roa alina hakiho ny halavany ary iray alina ny sakany; 4 ho fitoerana masina izany, ilay toerana masina indrindra. Ho toerana masina ao amin'ny tanin'ireo mpisorona izay manompo an'i Yaveh izany, izay nanatona akaiky an'i Yaveh mba hanompo Azy. Ho toeran'ny tranon'izy ireo izany ary faritra masina ho an'ny toerana masina. 5 Koa ho dimy arivo sy roa alina hakiho ny halavany ary iray alina ny sakany, ary ho tanàn-dehibe ho an'ireo Levita izay manompo ao amin'ny trano izany. 6 Hanondro faritra ho an'ilay tanàna ianao, dimy arivo hakiho ny sakany ary dimy arivo sy roa alina ny halavany, izany dia ho eo akaikin'ilay faritra voatokana ho an'ny toerana masina; izany tanàna izany dia ho an'ny ankohonan'Israely. 7 Ny tanin'ny andriandahy dia ho eo amin'ny andaniny roa an'ilay faritra voatokana ho an'ny toerana masina sy ny tanàna. Ho eo amin'ny andrefany sy eo amin'ny atsinanany izany. Ny halavany dia hitovy amin'ny halavan'ny iray amin'ireo ampahany ireo, avy any andrefana mankany atsinanana. 8 Izany tany izany dia ho fananan'ny andriandahy any Israely. Ireo andriandahiko dia tsy hampaory ny vahoakako intsony; fa kosa, hanome ny tany ho an'ny ankohonan'Israely, ho an'ny fokon'izy ireo. 9 Ny Tompo Yaveh dia milaza izao: Ampy izay, ry andriandahin'Israely! Esory ny herisetra sy ny fifandirana; manaova ny rariny sy ny fahamarinana! Hialao ny fandroahanao ny vahoakako! —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 10 Aoka ianareo hanana mizana marina, efaha marina, ary bata marina! 11 Ny efaha sy ny bata dia hitovy fatra, mba ho ampahafolon'ny homera iray ny bata iray; ny efaha dia ho ampahafolon'ny homera iray. Ny fandrefesana azy ireo dia hitovy amin'ny homera. 12 Ny sekely iray dia ho roapolo gera; ny sekely enimpolo dia ho mina iray ho anareo. 13 Izao no fandraisana anjara tsy maintsy asehonareo: ny ampaha-enin'ny efaha iray isaky ny homeram-bary tritika rehetra, ary hanome ampaha-enin'ny efaha iray isaky ny homeram-bary hordea ianareo. 14 Ny lalàn'ny fanatitra diloilo dia ampaha-folon'ny bata iray isaky ny kora (izay bata folo), na isaky ny homera iray, satria ny homera iray dia bata folo ihany koa. 15 Ondry na osy iray avy amin'ny ondry aman'osy isaky ny biby roanjato rehetra avy amin'ny faritra lonak'Israely no hampiasaina amin'ny fanaovana fanatitra dorana na fanati-pihavanana hanaovana fanavotana ny vahoaka—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 16 Ny vahoaka rehetra eo amin'ilay tany dia hanao izao fandraisana anjara izao ho an'ny andriandahy any Israely. 17 Ho andraikitry ny andriandahy ny mamatsy ireo biby ho amin'ireo fanatitra dorana, ireo fanatitra hohanina, ary ireo fanatitra sotroina amin'ny firavoravoana sy ny fankalazana ny volana vaovao, ary amin'ny andro sabata—ny firavoravoana efa voatondron'ny taranak'Israely rehetra. Hamatsy amin'ireo fanatitra nohon'ny ota izy, ireo fanatitra voa, ireo fanatitra dorana, ary ireo fanati-pihavanana ho amin'ny fanavotana ho an'ny ankohonan'Israely. 18 Ny Tompo Yaveh dia milaza izao: Amin'ny volana voalohany, amin'ny andro voalohan'ny volana, dia haka omby lahy tsy misy kilema avy amin'ny omby ianao ary hanao fanatitry ny ota ho an'ny fitoerana masina. 19 Ny mpisorona dia haka ny sasany amin'ny ràn'ny fanatitra nohon'ny ota ary hametraka izany eo amin'ny tolam-baravaran'ny trano sy eny amin'ny sisin'ireo zorony efatry ny sisin'ny alitara, ary eny amin'ny tolam-bavahadin'ny kianja anatiny. 20 Ho ataonao isaky ny fahotana tsy nahy na tamin'ny tsy fahalalalan'ny olona iray izany amin'ny andro fahafiton'ny volana; hanavotra ny tempoly ianao amin'izany. 21 Amin'ny volana voalohany amin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana, dia hisy firavoravoana ho anareo, firavoravoana hafitoana. Hihinana mofo tsy misy lalivay ianao. 22 Amin'io andro io, ny andriandahy dia hanomana omby lahy iray ho fanatitra nohon'ny ota ho an'ny tenany sy ho an'ny vahoaka rehera amin'ny tany. 23 Mandritry ny firavoravoana hafitoana, ny andriandahy dia hanomana fanatitra dorana ho an'i Yaveh: omby lahy fito sy ondry lahy tsy misy kilema fito isan'andro mandritry ny hafitoana, ary osy lahy iray isan'andro ho fanatitra nohon'ny ota. 24 Avy eo ny andriandahy dia hanao fanatitra hohanina iray efaha isaky ny omby lahy ary iray efaha isaky ny ondry lahy miaraka amin'ny diloilo hina iray isaky ny efaha. 25 Amin'ny volana fahafito amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana, any amin'ny firavoravona, dia hanao fanatitra mandritr'ireo fito andro ireo ny andriandahy: fanatitra nohon'ny ota, fanatitra dorana, fanatitra hohanina, ary fanatitry ny diloilo.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely.
"ny faritra rehetra ao anatin'ireo faritra izay manodidina an'izany"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely.
ny tempoly sy ny faritra manodidina izany
"ampahan-tany"
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny" hakiho tao amin'ny 40:5.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely.
DH: "izay nomenao ho an'ilay toerana masina"
Tiana lazaina eto fa Ezekiela dia mampitaha ny tanin'ilay andriandahy amin'ny haben'ilay tany omena ny tsirairay amin'ireo foko. DH: "Ny halavany dia hitovy amin'ny halavan'ny iray amin'ireo ampahany omena an'ireo foko."
Tiana lazaina eto fa ireo faritra andrefana sy atsinanan'ny tanin'Israely ireo. DH: "avy eo amin'ny faritr'Israely eo amin'ny ranomasina" na "avy eo amin'ny faritr'Israely eo andrefana."
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny ankohonan'Israely.
"ao amin'ilay tany, dia ho fananan'ny andriandahy eo amin'ny ankohonan'Israely izany"
"efa betsaka loatra ny vitanareo tamin'ity" na "efa ela loatra ny nanaovanareo tahaka izany fomba izany"
fitaovana nampiasaina handanjana zavatra izay amidy na vidin'ny olona.
"mba hitovy amin'ny homera iray ny bata folo"
eo amin'ny 220 litatra
eo amin'ny 11 grama
eo amin'ny 0,55 grama
eo amin'ny 660 grama
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo andriandahin'Israely.
Tiana lazaina eto fa ity no habetsaky ny vary tritrika izay vokarin'ny olona. DH: "isaky ny homeram-bary tritrika avy amin'ilay tritrika."
"ity no lalàna momban'ny diloilo, momban'ny batan-diloilo"
"ireo faritr'Israely izay mahazo rano betsaka tsara"
DH: "ireo fandraisana anjara ireo dia ho ampiasaiinao amin'ny"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany ho an'ireo andriandahin'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo andriandahin'Israely.
Ity dia volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro voalohany dia manakaiky ny faran'ny Martsa amin'ny tetiandro Tandrefana.
Ny teny hoe "ianao" dia maneho an'izay andriandahin'Israely.
"amin'ny andro fahafiton'ny volana voalohany"
"isaky ny olona tsirairay izay nanota tsy fanahy iniana" na "isaky ny olona izay nanota tsy nahy"
"na nanota satria tsy dia nahalala tsara izy" na "na nanota satria tsy fantany izay marina"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo andriandahin'Israely.
Ity dia volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahefatra ambin'ny folo dia manakaiky ny fiantombohan'ny Aprily.
Ny teny hoe "ianareo" dia maneho ny andriandahy sy ny vahoaka sisa amin'ny ankohonan'Israely.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo andriandahin'Israely.
Ity ihany koa dia antsoina hoe "fanatitra voa."
"omby lahy fito sy ondry lahy fito izay salama tanteraka"
Azonao ovaina fandrefesana amin'izao ity. DH: "roa amby roapolo litatra"
Azonao ovaina fandrefesana amin'izao ity. DH: "efatra litatra"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo andriandahin'Israely.
Ity dia volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahadimy ambin'ny folo dia manakaiky ny fiantombohan'ny Oktobra.
Ity dia firavoravoana hafa amin'ilay firavoravoana izay nofaritan'i Ezekiela teo aloha.
1 Izao no tenin'ny Tompo Yaveh: Ny vavahadin'ny kianja anatiny, manatrika ny atsinanana, dia hakatona mandritry ny enina andro amin'ny fiasana, fa ho sokafana kosa izany amin'ny Sabata, sy amin'ny andron'ny voaloham-bolana. 2 Hiditra ny ivelan'ny kianja amin'ny lalan'ny vavahady sy ny lavarangana avy any ivelan'izany ny andriandahy, ary hitsangana manoloana ny tolam-baravaran'ny vavahady anatiny raha mbola manao ny fanatiny dorana sy ny fanati-pihavanana ny mpisorona. Dia hanome voninahitra eo an-tokonam-baravaran'ny vavahady anatiny izy ary hivoaka, fa tsy hakatona ny vavahady mandra-pahariva. 3 Ny vahoakan'ny tany ihany koa dia manompo eo anatrehan'i Yaveh eo amin'ny fidirana amin'io vavahady io amin'ny Sabata sy ireo voaloham-bolana. 4 Ny fanatitra dorana izay atolotry ny andriandahy ho an'i Yaveh amin'ny andro Sabata dia zanak'ondry enina tsy misy kilema ary osy lahy tsy misy kilema. 5 Ny fanatitra vary miaraka amin'ny osy lahy dia ho efaha iray, ary ny fanatitra vary miaraka amin'ireo zanak'ondry dia izay iriany omena, ary diloilo iray hina isaky ny vary iray efaha. 6 Amin'ny andron'ny voaloham-bolana dia aoka izy hanolotra omby tsy misy kilema avy amin'ny andian'omby, zanak'ondry enina, ary osy lahy tsy manan-kilema. 7 Aoka izy hanao fanatitra voa iray efaha isam-batotr'ombalahy ary iray efaha ho an'ny ondry lahy, ary izay iriany ho an'ireo zanak'ondry, ary diloilo iray hina isan'efaham-bary rehetra. 8 Rehefa miditra amin'ny lalan'ny vavahady sy ny lavarangany ny andriandahy, dia aoka izy hiala amin'ny lalana nalehany ihany. 9 Fa rehefa tonga eo anatrehan'i Yaveh amin'ireo firavoravoana voatondro ny olon'ny tany, na iza na iza miditra amin'ny vavahady avaratra mba hanompo dia aoka hivoaka amin'ny vavahady atsimo; ary na iza na iza miditra amin'ny vavahady atsimo dia aoka hivoaka amin'ny vavahady avaratra. Tsy misy olona afaka miverina any amin'ny vavahady izay nidirany, fa tsy maintsy mivoaka mahitsy izy. 10 Aoka ho eo afovoan'izy ireo ny andriandahy; rehefa miditra ao izy ireo, dia tsy maintsy miditra izy, ary rehefa miala izy ireo, dia tsy maintsy miala izy. 11 Ao amin'ireo firavoravoana, aoka ho efaham-bary iray isam-batotr'ombilahy sy efaha isan'ondry lahy ny fanatitra vary, ary na inona na inona iriany omena miaraka amin'ireo zanak'ondry, ary diloilo iray hina isan-kefaha. 12 Rehefa manome fanatitra an-tsitrapo ny andriandahy, na fanatitra dorana na fanati-pihavanana ho an'i Yaveh, dia ho sokafana ho azy ny vavahady izay manatrika ny atsinanana. Hanolotra ny fanatiny dorana na ny fanati-pihavanany tahaka ny ataony amin'ny andro Sabata izy. Avy eo dia tsy maintsy hivoaka izy, ary aorian'ny hivoahany dia hakatona ny vavahady. 13 Fanampin'izany, hanome zanak'ondry tsy misy kilema erintaona ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh isan'andro ianao; hanao izany isa-maraina ianao. 14 Hanome fanatitra vary miaraka amin'izany isa-maraina ianao, ny ampahenina amin'ny efaha ary ny ampahatelon'ny diloilo iray hina mba handemana ny koban'ny fanatitra vary ho an'i Yaveh, araka ny lalàna maharitra. 15 Hikarakara ny zanak'ondry, ny fanatitra voa, ary ny diloilo isa-maraina, fanatitra dorana maharitra izy ireo. 16 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Raha manome fanomezana ho an'ny anankiray amin'ireo zanany lahy ny andriandahy, lova izany. Ho fananan-janany izany, lova izany. 17 Fa raha manome fanomezana avy amin'ny lovany ho an'ny iray amin'ireo mpanompony izy, dia ho an'ilay mpanompo izany ambara-pahatongan'ny taona fahafahana, ary avy eo dia hiverina any amin'ilay andriandahy izany. Ireo lovany dia ho an'ireo zanany lahy tokoa. 18 Tsy haka ny lovan'ny olona amin'ny zara-taniny ihany ny andriandahy; tsy maintsy hanome avy amin'ny zara-taniny ho an'ireo zanany lahy izy mba tsy hielezan'ireo oloko, ireo olona tsirairay avy amin'ny zara-taniny ihany."' 19 Ary avy eo nitondra ahy teo amin'ny fidirana teo amin'ny vavahady mankao amin'ireo efitra masin'ireo mpisorona ilay olona, izay nanatrika ny avaratra ary indro! Nisy toerana tany andrefana. 20 Hoy izy tamiko hoe: "Ity no toerana izay tsy maintsy hahandroan'ireo mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra nohon'ny ota ary izay tsy maintsy hanendasan'izy ireo ny fanatitra voa. Tsy tokony hitondra ny fanatitra ao ivelan'ny kianja izy ireo, fa avy eo dia ho hamasinina ny vahoaka. 21 Avy eo dia nitondra ahy tany amin'ny kianja ivelany izy ary nentiny tany amin'ny zorony efatr' izany kianja izany aho, ary hitako fa nisy fitsarana hafa tamin'ny zoron'ny kianja rehetra. 22 Amin'ireo zorony efatry ny kianja ivelany dia nisy kianja kely efatra, efapolo hakiho ny halavany ary telopolo ny velarany. Refy mitovy avy ho an'ireo kianja efatra rehetra. [1]23 Misy toerana natao tamin'ny vato nanodidina ny efatra tamin'izy ireo, ary ny fatana fandrahoana dia tao amban'ny laharam-bato. 24 Hoy ilay lehilahy tamiko hoe: "Ireo no toerana izay hahandroan'ny mpanompon'ny tempoly ny soron'ny vahoaka."
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo andriandahin'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 8:16.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 11:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 40:17.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo andriandahin'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 43:22.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo andriandahin'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 40:08
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 44:1.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "fanasana voatondro" tao amin'ny 36:37.
"ho an'ny tenany"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ireo andriandahin'Israely.
"izay hahavonto"
Ity dia taona izay hahazoan'ny mpanompo iray fahafahana. Izany ihany koa dia antsoina hoe "Taonan'ny Jobily."
"izay manana ireo fidirany manokana eo avaratra"
Ny teny hoe "indro" eto dia mampiseho fa Ezekiela dia nahita zavatra mahagaga.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 10:3.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 10:3.
1 Avy eo ilay lehilahy dia nitondra ahy nankao amin'ny fidirana ao amin'ny tempoly, ary nisy rano nikoriana avy ao ambanin'ny tokonam-baravaran'ny trano amin'ny atsinanan'ny tempoly—teo anoloan'ny tempoly manatrika ny atsinanana—ary ny rano dia nikoriana nankany amin'ny ilany atsimon'ny tempoly, mankany an-kavanan'ny alitara. 2 Koa nentiny nivoaka tamin'ny vavahady andrefana aho ary nanodidina ny vavahady manatrika ny atsinanana, ary nisy rano nikoriana avy amin'io vavahady io tamin'ny ilany atsimo. 3 Raha nandeha nankany atsinanana ilay lehilahy, dia nisy famolaina teny an-tanany; nandrefy arivo hakiho izy ary nitondra ahy namakivaky rano izay rano lalina hatreny an-kitrokely. 4 Dia nandrefy arivo hakiho indray izy ary nitondra ahy namakivaky rano izay rano lalina hatreny an-dohalika; ary nandrefy arivo hakiho hafa izy ka nitondra ahy tamin'ny rano lalina hatreny am-balahana. 5 Avy eo dia nandrefy arivo hakiho hafa izy, kanefa renirano izay tsy afaka niampitako izany satria niakatra ny rano ary lalina tsy afaka hilomanosana—renirano izay tsy afaka niampitàna izany. 6 Hoy ilay lehilahy tamiko: "Ry zanak'olona, hitanao ve io?" ary nitondra ahy nivoaka izy ary nampiverina ahy teny amin'ny sisin'ny renirano. 7 Raha iny niverina iny aho, dia nisy hazo maro teny amin'ny sisin'ilay renirano ary teny amin'ny andaniny ilany ihany koa. 8 Hoy ilay lehilahy tamiko: "Mivoaka mankany amin'ny faritany atsinanana io rano io ary midina mankany Arabaha; mikoriana mankany amin'ny Ranomasin'ny Sira izany ary hampadio azy. 9 Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena dia hivelona any amin'izay handehanan'ny rano; hisy hazandrano maro ao, satria mikoriana any ny rano. Hampadio ilay rano masira izany. Hivelona any amin'izay handehanan'ilay renirano ny zavatra rehetra. 10 Ary avy eo dia hitsangana eo amoron'ny rano ny mpanjonon'i En-jedy, ary hisy toerana fanamainana ny harato fanjonoana eo amoron'i En-eglaima. Hisy karazana hazandrano maro ao amin'ny Ranomasin'ny Sira, tahaka ny habetsaky ny hazandrano ao amin'ny Ranomasim-be. 11 Fa ireo honahona sy ireo henihenin'ny Ranomasin'ny Sira dia tsy ho voadio; hamokarana sira ireny. 12 Eny an-kilan'io renirano io amin'ny sisiny, amin'ny ilany roa, dia hisy karazan-kazo haniry izay hamokatra sakafo. Ny ravin'ireo dia tsy halazo ary ny voan'izy ireo dia tsy hitsahatra hitombo. Isam-bolana ireo hazo ireo dia hamoa voa, satria ny rano avy ao amin'ny fitoerana masina dia mikoriana mankao amin'ireo. Ho sakafo ny voan'ireo, ary ny ravin'ireo dia ho fanasitranana. 13 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Izany no fomba hizaranao ny tany ho an'ireo foko roa ambin'ny folon'Israely: hanana anjara roa i Josefa. 14 Ho zarainao mitovy izay nanandratako ny tanako sy nianianako fa homena ireo razambenao. Ity tany ity dia ho tonga lovanao. 15 Ity no ho sisin-tanin'ny tany any amin'ny ilany andrefana manomboka amin'ny Ranomasim-Be mandalo amin'ny lalana Hetlona, ary hatrany Zedada. [1]16 Ary hitohy any Berota ny sisin-tany, hatrany Sibraima, izay eo anelanelan'i Damaskosy sy Hamata, ary avy eo hatrany Hazara Hatikona, izay eo ankilan'ny sisin-tanin'i Haorana. 17 Koa hitohy manomboka amin'ny ranomasina hatrany Hazar-enana any amin'ny fari-tanin'i Damaskosy sy Hamata mankany andrefana ny sisin-tany. Izany no ho sisiny andrefana. 18 Tamin'ny sisiny atsinanana, teo anelanelan'i Haorana sy Damaskosy ary teo anelanelan'i Gileada sy ny tanin'Israely ny Reniranon'i Jordana. Tsy maintsy refesinao hatrany amin'ny sisin'ny ranomasina atsinanana; izany rehetra izany no ho sisin-tany atsinanana. [2]19 Avy eo ny sisiny atsinanana: ny atsimon'i Tamara mankany amin'ireo ranon'i Meriba Kadesy, ny lohasahan-driakan'i Egypta mankany amin'ny Ranomasim-Be, ary ny ilany atsimo manatrika ny atsimo. 20 Ary ny sisin-tany andrefana no ho Ranomasim-Be mankany amin'izay mifanohitra amin'i Hamata. Izany no ho ilany andrefana. 21 Amin'izany fomba izany no hizaranareo ity tany ity ho anareo, ho an'ireo fokon'Israely. 22 Koa hizara ireo lova ho an'ny tenanareo ianareo ary ho an'ireo vahiny eo anivonareo, ireo izay niteraka zanaka teo anivonareo sy ireo, miaraka aminareo, tahaka ny olona tera-tanin'Israely. Hanome lova maro eo amin'ireo fokon'Israely ianareo. 23 Ary ny vahiny dia hiaraka amin'ny foko eo amin'ireo izay hipetrahany. Tsy maintsy manome lova ho azy ianareo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh."
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 40:5.
Ity dia ilany an-kavanan'ny alitara rehefa mijery izany ny olona raha manatrika ny atsinanana izy ireo. Noho izany, any amin'ny ilany atsimon'ny alitara ity. DH: "teo amin'ny ilany atsimon'ny alitara"
tady izay ampiasain'ny olona mba handrefesana elanelana lavitra
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
DH: "tandremo io" na "diniho tsara io" (UDB). Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 8:14.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 21:6.
loharano lehibe eo amin'ny ilany andrefan'ny Ranomasin'ny Sira
"hanamainan'ny olona"
loharano lehibe eo amin'ny ilany andrefan'ny Ranomasin'ny Sira
toerana izay misy rano nefa koa feno fotaka
toerana izay misy rano marivo
DH: "ireo taranak'i Josefa dia handray fari-tany roa."
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "nanandratra ny tanako mba hianiana fianianana Aho" tao amin'ny 20:4.
anaran-toerana iray izay mety lalan-kely mianavaratra sy miatsinanan'i Tripoly
anaran-tanàna any Libanona izay mety ao amin'ny toerana misy an'i Sadada ankehitriny. Sadada dia eo amin'ny 53 kilometatra any avaratra atsinanan'ny mety nisy an'i Lebo Hamata
toerana iray any Libasnona izay atsimo kelin'i Balbeka
toerana iray izay mety teo anelanelan'i Damaskosy sy Haorana.
Ity dia toerana atsinanan'ny Ranomasin'i Galilia. Mety nanakaiky an'ny nisy an'ny Esa-soaida amin'izao izany.
toerana iray any Syria. Mety tao amin'ny toerana nisy an'i Al-kariataina izany, izay eo amin'ny 113 kilometatra any avaratra atsinanan'i Damaskosy
tanàna iray eo amin'ny roa amby telopolo kilometatra atsimo andrefana avy any amin'ny faritra atsimon'ny Ranomasin'ny Sira
toerana iray any amin'ny sisiny eo anelanelan' Israely sy Egypta, atenatenan'ny Ranomasina Mena sy ny Ranomasina Mediteraneana
lohasaha tena lehibe any amin'ny faritra avaratra atsinanan'i Sinay
Ny teny hoe "anareo" dia maneho ny vahoakan'Israely
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 21:6.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
1 Ireto avy ny anaran'ireo foko. Hahazo anjara-tany iray ny fokon'i Dana, ny fari-tanin'izany dia hipaka hatrany amin'ny sisin-tanin'Israely manamorona ny lalan'i htlona sy Lebo Hamata. Ny sisin-tanin'izany dia hitohy hatrany Hazar-enana ary manaraka ny sisin-tanin'i Damaskosy mianatsimo ary hatrany Hamata. Ny fari-tanin'i Dana dia manomboka avy any atsinanan'ny lalana rehetra mankany amin'ny Ranomasina Lehibe. 2 Mifanila amin'ny fari-tanin'i Dana, hatrany amin'ny lafiny atsinanana ka hatrany andrefana, no ho anjara iray ho an'i Asera. 3 Mifanila amin'ny fari-tanin'i Asera hatrany amin'ny lafiny atsinanana ka hatrany andrefana, no ho anjara iray ho an'i Naftaly. 4 Mifanila amin'ny fari-tanin'i Naftaly hatrany amin'ny lafiny atsinanana ka hatrany andrefana, no ho anjara iray ho an'i Manase. 5 Mifanila amin'ny fari-tanin'i Manase hatrany amin'ny lafiny atsinanana ka hatrany andrefana, no ho anjara iray ho an'i Efraima. 6 Mifanila amin'ny fari-tanin'i Efraima hatrany amin'ny ilany atsinanana ka hatrany andrefana, no ho anjara iray ho an'i Robena. 7 Mifanila amin'ny fari-tanin'i Robena hatrany amin'ny ilany atsinanana ka hatrany andrefana, no ho anjara iray ho an'i Joda. 8 Ny fanolorana ny tany izay hataonao dia hanaraka ny fari-tanin'i Joda sy hihitatra avy any amin'ny lafiny atsinanana ka hatrany andrefana; ho dimy arivo sy roa alina hakiho ny sakany. Ny halavan'izany dia mifandraika amin'ny anjaran'ny foko iray hatrany amin'ny lafiny atsinanana ka hatrany andrefana, ary ho eo afovoan'izany ny tempoly. 9 Izany tany izay hatolotrao an'i Yaveh izany dia ho dimy arivo sy roa alina hakiho ny halavany ary iray alina hakiho ny sakany. 10 Ireto avy no ho andraikitry ny anjara-tany masina: ireo mpisorona dia hanana tany voatendry ho azy ireo mirefy dimy arivo sy roa alina hakiho ny halavan'ny lafiny avaratra; iray alina hakiho ny sakan'ny lafiny andrefana; iray alina hakiho ny sakan'ny lafiny atsinanana; ary dimy arivo sy roa alina hakiho ny halavan'ny lafiny atsimo, miaraka amin'ny toerana masin'i Yaveh eo afovoan'izany. 11 Izany dia ho an'ny fanokanana ireo mpisoron'ny taranak'i Zadoka, izay efa nanompo Ahy tamim-pahatokiana, sy tsy nandeha tamin'ny lalan-diso fony nandeha tamin'ny lalan-diso ny vahoakan'Israely, tahaka ny nataon'ireo Levita. 12 Ny fanatitra ho azy ireo dia ho anjara avy amin'ity tany masina indrindra ity, mihitatra hatrany amin'ny faritanin'ireo Levita. 13 Ny tanin'ireo Levita manamorona ny fari-tany miaraka amin'ny tanin'ny mpisorona dia ho dimy arivo sy roa alina hakiho ny halavany ary iray alina hakio ny sakany. Ny halavan'ny velaran-tany manontolo roa dia ho dimy arivo sy roa alina hakiho ny halavany ary roa alina hakiho ny sakany. 14 Tsy mahazo mivarotra na manakalo izany izy ireo; tsy misy azo sarahina amin'ireo velaran-taniny ireo voaloham-bokatry ny tanin'Israely, fa masina ho an'i Yaveh izany rehetra izany. 15 Ny tany sisa tavela, dimy arivo hakiho ny sakany ary dimy arivo sy roa alina hakiho ny halavany, dia hiaraha-mampiasa ho an'ny tanàna, ny trano, ary ireo tany fihinanam-bilona; ho eo afovoan'izany ny tanàna. 16 Ireto avy no ho refin'ny tanàna: 4. 500 hakiho ny halavan'ny lafiny avaratra; 4. 500 hakiho ny halavan'ny lafiny atsimo; 4. 500 hakiho ny halavan'ny lafiny atsinana; ary 4. 500 hakiho ny halavan'ny lafiny andrefana. 17 Ary hisy hady mianavaratra ho an'ny tanàna, 250 hakiho ny halaliny; eo amin'ny atsimo, 250 hakiho ny halaliny; eo amin'ny atsinanana, 250 hakiho ny halaliny, ary eo amin'ny andrefana, 250 hakiho ny halaliny. 18 Ary ny faritra ambin'ny fanatitra masina dia hahatratra iray alina hakiho miatsinanana ary iray alina hakiho miakandrefana. Hihitatra manaraka ny faritanin'ny fanatitra masina izany ary ho sakafon'ireo izay miasa ao an-tanàna ny vokatr'izany. 19 Ny vahoaka izay miasa ao an-tanàna, ny vahoakan'ny foko rehetran'Israely, no hiasa izany tany izany. 20 Ny zara-tany rehetra dia mirefy dimy arivo sy roa alina hakiho tora-droa. Amin'izany fomba izany no hanaovanareo ilay tany fanatitra masina tany, miaraka amin'ny tanin'ilay tanàna. 21 Ny ambin'ny tany eo amin'ny andaniny sy ankilan'ilay fanatitra masina sy ny faritry ny tanàna dia ho an'ny andriandahy. Ny velaran-tanin'ny andriandahy any atsinanana dia hahatratra dimy arivo sy roa alina hakiho manomboka eo amin'ny fari-tanin'ilay fanatitra masina ka hatrany amin'ny sisin-tany atsinanana—ary ny velaran'ny any atsinanana dia hahatratra dimy arivo sy roa alina hakiho hatrany amin'ny sisin-tany andrefana. Ho eo anelanelany ilay fanatitra masina, ary ny toerana masin'ny tempoly dia ho eo afovoan'izany. 22 Ny tany mihitatra avy eo amin'ny fananan'ireo Levita sy ny faritry ny tanàna eo afovoany dia ho an'ny andriandahy; ho eo anelanelan'ny sisin-tanin'i Joda sy ny sisin-tanin'i Benjamina izany—io tany io dia ho an'ny andriandahy. 23 Raha ny amin'ireo foko ambiny, ny anjaran'izy ireo ihany koa dia ho avy any atsinanana ka hatrany andrefana. Hahazo anjara iray i Benjamina. 24 Mifanila amin'ny fari-tanin'i Benjamina hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no ho anjara iray ho an'i Simeona. 25 Mifanila amin'ny fari-tanin'i Simeona hatrany amin'ny ilany atsinanana ka hatrany andrefana, dia hahazo anjara iray i Isakara. 26 Mifanila amin'ny fari-tanin'Isakara hatrany amin'ny lafiny atsinanana ka hatrany andrefana, dia hahazo anjara iray i Zebolona. 27 Any atsimon'ny fari-tanin'i Zebolona, hatrany andrefana ka hatrany atsinanana, dia ho tanin'i Gada—anjara-tany iray. 28 Ny fari-tany atsimon'i Gada dia hihitatra manomboka any Tamara ka hatrany amin'ireo ranon'i Meriba-kadesa, ary tonga hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Egypta, ary hatrany amin'ny Ranomasina Lehibe. 29 Izany ilay tany izay hilokanareo; ho lovan'ny fokon'Israely izany. Ireo dia ho anjaran'izy ireo. Izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 30 Ireto no ho fivoahana avy ao an-tanàna: amin'ny lafiny avaratra, izay hirefy 4. 500 hakiho ny halavany, 31 dia hisy vavahady telo, nantsoina avy tamin'ireo fokon'Israely: vavahady iray ho an'i Robena, vavahady iray ho an'i Joda, ary vavahady iray ho an'i Levy. 32 Eo amin'ny lafiny atsinanana, izay hirefy 4. 500 hakiho ny halavany, dia hisy vavahady telo: vavahady iray ho an'i Josefa, vavahady iray ho an'i Benjamina, ary vavahady iray ho an'i Dana. 33 Amin'ny lafiny atsinanana, izay hirefy 4. 500 hakiho ny halavany, dia hisy vavahady telo: vavahady iray ho an'i Simeona, vavahady iray ho an'Isakara, ary vavahady iray ho an'i Zebolona. 34 Eo amin'ny lafiny andrefana, izay hirefy 4. 500 hakiho, dia hisy vavahady telo: vavahady iray ho an'i Gada, vavahady iray ho an'i Asera, ary vavahady iray ho an'i Naftaly. 35 Valo arivo sy iray alina hakiho ny refy manodidina ny tanàna; manomboka amin'io andro io, dia ho antsoina hoe "Yaveh No Ao" ny anaran'ilay tanàna.
"ampahan-tany iray izay ho zarainao"
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 47:15.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 48:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 48:1.
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny vahoakan'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny" hakiho tao amin'ny 40:5.
"Ity anjara kely kokoa ao amin'ilay anjara-tany masina dia ho an'ireo mpisorona ireo, anjara izay masina kokoa noho ny sisa amin'ny anjara-tany masina"
"io tany izay voaloham-bokatra io." Eto ny hoe "voaloham-kokatra" dia mety midika hoe ireo zavatra tsara indrindra eo amin'ireo fanatitra atokana homena an'Andriamanitra. Ity tany ity dia resahina amin'izany fomba izany, tahaka ny tany voatokana ho ampiasain'i Yaveh.
"dia ho faritra izay zaraina eo amin'ny vahoakan'ilay tanàna"
"ho toerana ho an'ireo trano sy toerana an-kalamanjana"
"ireo zavatra vokarina ao"
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny vahoakan'Israely.
"ianareo dia hanolotra ilay fanatitra masina ary koa ny fananan'ilay tanàna"
"ianareo" no ampiasaina satria maneho ny vahoakan'Israely
ilay tany izay nomen'ny vahoakan'Israely an'i Yaveh ho an'ireo Levita, ireo mpisorona, ary ny tempoly.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 48:17.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "anjara-tany" tao amin'ny 48:1
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany amin'ny vahoakan'Israely
Jereo ny fomba nandikanao ireo tao amin'ny 47:18
ianareo no ampiasaina eto satria maneho ny vahoakan'Israely.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 45:1.
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:11.
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny hakiho" tao amin'ny 40:5.
eo amin'ny 2,4 kilometatra
Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "halavan'ny hakiho" tao amin'ny 40:5.
eo amin'ny 2,4 kilometatra
1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Joiakima mpanjakan'ny Joda, Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona tonga tao Jerosalema ary nanodidina ny tanàna mba hanapaka ny famatsiana rehetra ho an'izany. 2 Ny Tompo nanome fandresena an'i Nebokadnezara teo amin'i Joaikima mpanjakan'ny Joda, ary izy nanome azy tamin'ireo zava-masina avy ao amin'ny tranon'Andriamanitra. Nitondra ireo ho any amin'ny tanin'i Babylona izy, ho any an-tranon'andriamaniny, ary napetrany tao amin'ny fitoeran-drakitry ny andriamaniny ireo zava-masina. 3 Ary niresaka tamin'i Aspenaza, ilay lehiben'ny manampahefany, ny mpanjaka mba hitondra ny sasany amin'ireo zanak'Israely, amin'ny fianakavian'andriana sy ny ambony firazanana— 4 tovolahy tsy misy kilema, manintona amin'ny endrika ivelany, mahay amin'ny fahendrena rehetra, feno fahalalana sy fahazavan-tsaina, ary voafantina mba hanompo ao amin'ny lapan'ny mpanjaka. Izy dia hampianatra azy ireo ny literatiora Babyloniana sy ny fiteniny. 5 Nanisan'ny mpanjaka anjara isan'andro manokana amin'ireo haniny sy sasany amin'ireo divay nisotrony izy ireo. Ireo zatovo lahy ireo dia nampihofanina nandritra ny telo taona, ary aorian'izay, dia hanompo ny mpanjaka izy ireo. 6 Anisan'ireo i Daniela, Hanania, Misaela ary Azaria, izay sasany amin'ireo olon'ny Joda. 7 Nomen'ny lehibe manampahefana anarana izy ireo: Daniela nantsoiny hoe Beltesazara, Hanania nantsoiny hoe Sadraka, Misaela nantsoiny hoe Mesaka, ary Azaria nantsoiny hoe Abednego. 8 Fa Daniela nihevitra tao an-tsainy fa tsy handoto ny tenany amin'ireo hanim-pin'ny mpanjaka sy ny divay izay nisotroany izy. Koa naka alalana tamin'ny lehiben'ny manam-pahefana izy mba tsy handoto ny tenany. 9 Ary nomen'Andriamanitra sitraka sy fahangoraham-po Daniela tamin'ny fanajan'ny lehibe manampahefana azy. 10 Niteny tamin'i Daniela ny lehibe manampahefana hoe: "Matahotra ny mpanjaka tompoko aho. Izy no nandidy ny sakafo sy zava-pisotronareo. Nahoana izy no tokony hahita faharatsiana eny aminao mihoatra ireo tovolahy hafa izay mitovy taona aminao? Mety hotapahin'ny mpanjaka noho ianao ny lohako." 11 Avy eo Daniela niresaka tamin'ny mpitandrin-draharaha izay notendren'ny manampahefana lehibe ho an'i Daniela, Hanania, Misaela ary Azaria. 12 Hoy izy: "Izahao toetra re izahay mpanomponao mandritra ny folo andro. Omeo legioma hoanina sy rano ho sotroina fotsiny izahay. 13 Dia ampitahao amin'ny endrika ivelan'ireo tovolahy izay mihinana ny hanim-pin'ny mpanjaka ny endrikay ivelany, ary ataovy aminay, mpanomponao, araka izay hitanao." 14 Koa dia niombon-kevitra taminy hanao izany ny mpitandrin-draharaha, ka nizaha toetra azy ireo nandritra ny folo andro izy. 15 Tamin'ny faran'ny hafoloana ny endrika ivelan'izy ireo dia tonga salama kokoa ary voafahana tsara mihoatra noho ireo tovolahy izay nihinana tamin'ny hanim-pin'ny mpanjaka. 16 Ka dia nalain'ny mpitandrin-draharaha ireo hanim-piny sy ireo divain'izy ireo ary legioma ihany no nomeny azy ireo. 17 Raha ny amin'ireo tovolahy efatra ireo, nomen'Andriamanitra azy ireo ny fahalalana sy fahalalinan-tsaina amin'ny literatiora rehetra sy ny fahendrena, ary afaka mahatakatra ireo karazana fahitana sy nofy rehetra i Daniela. 18 Tamin'ny fiafaran'ny fotoana izay napetraky ny mpanjaka hitondrana azy ireo, dia nitondra azy ireo manoloana an'i Nebokadnezara ny lehibe manampahefana. 19 Niresaka tamin'izy ireo ny mpanjaka, ary tsy nisy tahaka an'i Daniela, Hanania, Misaela ary Azaria tao amin'ny vondrona iray manontolo. Nitsangana nanoloana ny mpanjaka izy ireo, vonona ny hanompo azy. 20 Tamin'ny fanontaniana rehetra mahakasika ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina izay napetraky ny mpanjaka azy ireo, dia voavalin'izy ireo tsara avo folo heny kokoa mihoatra ny an'ireo ombiasy sy ireo izay milaza ho miresaka amin'ny maty, izay tany amin'ny fanjakany manontolo izany. 21 Tany foana i Daniela hatramin'ny taona voalohany nanjakan'ny mpanjaka Kirosy.
Izany dia ilazana an'i Nebokadnerana sy ireo miaramilany, fa tsy Nebokadnezara irery. DH: "miaramilan'i Nebokadnezara" na "Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ireo miaramilany"
"mba hampitsahatra ny vahoaka amin'ny fandraisana ireo famatsiana."
Izany dia ilazana an'i Joiakima sy ireo miaramilany, fa tsy Joiakima irery. DH: "ny tafik'i Joiakima mpanjakan'i Joda"
I Joiakima nanome an'i Nebokadnezara.
Na dia tsy nataon'i Nebokadnezara irery aza ireo zavatra ireo, dia mety ho moramora kokoa amin'ny mpamaky ny mitazona ny mpisolo tena manondro olona iray.
Eto ny hoe "ireo" dia mety hilazana an'i Joiakima sy ireo gadrany, tahaka ireo zavatra masina.
Inty dia fihetsim-panolora-tena ho an'andriamaniny.
Inty dia ilazana an'i Nebokadnezara.
Inty no lehiben'ny manam-pahefana.
Izany no kilasy ara-tsosialy ambony indrindra.
Ireo teny manana hevi-dratsy roa ireo miaraka dia mampisongadina hevitra tsara. DH: "miaraka amin'ny fahitana tonga lafatra."
Fomba fiteny izany. Midika izany fa mahafantatra be izy ireo ary afaka mandrindra sy mampiasa ireo fampahafantarana ireo.
Trano lehibe izany na trano izay onenan'ny mpanjaka.
"Aspenaza dia tsy maintsy nampianatra azy ireo."
Ireo manam-pahefan'ny mpanjaka no nanao io asa io ho azy. DH: "Nanisan'ireo manam-pahefan'ny mpanjaka izy ireo"
Sakafo miavaka, vitsy, tsara izay hanin'ny mpanjaka.
Afaka atao tso-drafitra izany. DH: "I Aspenaza dia tokony nanmpiofana ireo zatovo lahy ireo."
"nampianatra fahaiza-manao"
"Anisan'ireo zatovo lahy avy any Israely."
Izany dia ilazana an'i Aspenaza izay manam-pahefan'ny mpanjaka lehibe indrindra.
Anaran-dehilahy daholo ireo.
Eto ny hoe "saina" dia ilazana an'i Davida ihany. DH: "Nanapa-kevitra ho an'ny tenany i Daniela."
Ny "mandoto" zavatra dia manao izany ho tsy madio. Ny sakafo sy zava-pisotron'ireo Babyloniana sasany dia mety hahatonga an'i Daniela ho maloto araka ny fombafomba mifanaraka amin'ny lalàn'Andriamanitra. Mety hatao mazava izany. DH: "manao ny tenany ho maloto araka ny lalàn'Andriamanitra"
izany dia ilazana ny sakafo miavaka, tsy misy firy, tsara izay hanin'ny mpanjaka. Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 1:1
Nampiasa io fanontaniana io ny manam-pahefana mba hanazava izay eritreriny mety hitranga. Mety ho fanambarana izany. DH: "Tsy te hahita anareo ho ratsy endrika noho ireo zatovo lahy hafa mitovy taona aminareo izy."
Fomba fiteny izany. DH: "Mety hanapaka ny lohako ny mpanjaka" na "Mety hamono ahy ny mpanjaka"
Mangataka ny mpitan-draharaha i Daniela mba hijery raha ratsy endrika noho ireo zatovo lahy hafa izy sy ireo namany. DH: "ampitahao ny endrikay ivelany mba hahitana raha ratsy noho ny endriny ivelany izany."
ireo mpisolo tena rehetra ireo dia milaza an'i Daniela, Hanania, Misaela, ary Azaria.
Izany dia midika ny fahasalamana avy amin'izay nohaninao.
Afaka averina arafitra izany ka ny teny takarina hoe "fahalalana" sy "fahalalinan-tsaina" dia afaka avoitra amin'ny matoanteny hoe "mianatra" sy "mahazo". DH: "Nomen'Andriamanitra fahafahana hianatra sy hahazo mazavy ny amin'izany izy ireo"
Fanitarana izany mba hanehoana fa nahazo fanabeazana sy fahaizana tena tsara izy ireo.
Niresaka tamin'ireo "zatovo lahy efatra" ny mpanjaka.
Afaka lazaina amin'ny fomba tsara izany. DH: "Daniela, Hanania, Misaela, sy Azaria dia nisarika azy kokoa noho ny olona hafa tamin'ny vondrona manontolo."
Anaran-dehilahy ireo. Jereo hoe ahoana no nandikanao ireo anarana ireo ao amin'ny 1:6
Eto ny hoe "avo folo heny" dia fanitarana maneho hatsarana lehibe. DH: "tsara lavitra"
"ny taona voalohany izay nanapahan'i Kirosy Mpanjaka an'i Babylona"
1 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Nebokadnezara, dia nanofy izy. Nihorohoro ny sainy, ary tsy afa-natory izy. 2 Ary nampiantso ireo ombiasy sy ireo izay nilaza ho miresaka amin'ny maty ny mpanjaka. Niantso ireo mpanao ody sy ireo olon-kendry ihany koa izy. Naniry azy ireo hilaza azy ny momba ny nofiny izy. Koa niditra izy ireo ary nijoro teo anolohan'ny mpanjaka. 3 Hoy ny mpanjaka tamin'izy ireo hoe: "Nanofy aho, ary ny saiko dia mitebiteby ny hahafantatra ny dikany ilay nofy." 4 Avy eo dia niresaka tamin'ny mpanjaka tamin'ny teny Aramiana ireo olon-kendry: "Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay! Lazao aminay mpanomponao ilay nofy, ary izahay hanambara ny dikany." 5 Namaly an'ireo olon-kendry ny mpanjaka hoe: "Efa nilamina izany raharaha izany. Raha tsy ambaranareo sy hazavainareo ahy ilay nofy, dia ho potikapotika ny vatanareo ary ireo tranonareo hatao korotam-pako. 6 Fa raha lazainareo ahy ny nofy sy ny dikany, dia hahazo fanomezana avy amiko ianareo, valisoa iray, ary voninahitra lehibe. Koa lazao ahy ny nofy sy ny dikany." 7 Dia namaly indray izy ireo hoe: "Aoka ny mpanjaka hilaza aminay mpanompony, ny nofy dia holazainay anao ny dikany." 8 Namaly ny mpanjaka hoe: "Fantatro tsara fa te hahazo fotoana mihoatra ianareo satria hitanareo fa tena entitra ny fanapaha-kevitro momba izany. 9 Fa raha tsy lazainareo amiko ilay nofy, dia iray ihany ny teniko ho anareo. Nanapa-kevitra ny hanomana teny diso sy fitaka izay nifanekenareo ho lazaina amiko ianareo mandra-piova ny hevitro. Koa lazao ahy ary ilay nofy, dia ho fantatro fa afaka mandika izany amiko ianareo. 10 Namaly ireo olon-kendry ilay mpanjaka hoe: "Tsy misy olona eto an-tany afaka hananteraka ny fangatahan'ny mpanjaka. Tsy misy mpanjaka lehibe sy mahery mbola nangataka zavatra toy izany avy amin'ny ombiasy, na avy amin'iza na iza milaza fa miresaka amin'ny maty, na avy amin'ny olon-kendry. 11 Sarotra ny zavatra angatahin'ny mpanjaka, ary tsy misy na iza na iza afaka milaza izany amin'ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, ary tsy miaina eo amin'ny olombelona izy ireo." 12 Nahatezitra sy tena nahavinitra ny mpanjaka izany, ka nanome baiko handringana ireo rehetra any Babylona izay fantatra tamin'ny fahendreny izy. 13 Koa nivoaka ny lalàna fa ireo rehetra izay fantatra tamin'ny fahendren'izy ireo dia hovonoina. Noho io lalàna io, dia nitady an'i Daniela sy ireo namany izy ireo mba hahafahana mamono azy ireo. 14 Ary i Daniela namaly am-pahamalinana sy am-pisainana an'i Arioka mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka, izay tonga hamono ireo rehetra tao Babylona izay fantatra tamin'ny fahendren'izy ireo. 15 Nanontany ny mpifehin'ny mpanjaka i Daniela hoe: "Nahoana no dia maika tahaka izany ny lalàn'ny mpanjaka?" Koa nolazain'i Arioka tamin'i Daniela izay niseho. 16 Avy eo Daniela niditra ary nangataka ny hihaona tamin'ny mpanjaka mba hahafahany manao ny fandikana ho an'ny mpanjaka. 17 Avy eo dia nankany an-tranony ary nanazava izay niseho tamin'i Hanania, Misaela, sy Azaria i Daniela. 18 Namporisika azy ireo hitady famindram-po avy amin'ny Andriamanitry ny lanitra izy mahakasika io zava-miafina io mba tsy hamonoana azy sy azy ireo miaraka amin'ireo olona tavela tao Babylona izay fantatra amin'ny fahendren'izy ireo. 19 Tamin'io alina io dia nambara tamin'i Daniela tanaty fahitana ilay zava-miafina. Dia nidera an'ilay Andriamanitry ny lanitra i Daniela 20 ary niteny hoe: "Miderà ny anaran'Andriamanitra mandrakizay doria; fa Azy ny fahendrena sy ny hery. 21 Manova ny fotoana sy ny vanim-potoana Izy; manala sy mametraka ny mpanjaka eo amin'ireo seza fiandrianany Izy. Manome fahendrena ho an'ny hendry Izy ary fahalalana ho an'ireo izay manana fahazavan-tsaina. 22 Mampiseho ny lalina sy ireo zava-miafina Izy satria fantany ny ao anatin'ny fahamaizinana, ary ny hazavana miaina ao aminy. 23 Ry Andriamanitry ny razambeko, misaotra Anao aho ary midera anao noho ny fahendrena izay nomenao ahy. Efa nampahafantarinao ahy ankehitriny izay nangatahanay taminao; nampahafantarinao anay ny zavatra mampitebiteby ny mpanjaka." 24 Avy eo dia niditra i Daniela hijery an'i Arioka (ilay notendren'ny mpanjaka hamono ny olona hendry rehetra tany Babylona). Nandeha izy ary niteny taminy hoe: "Aza mamono ny olon-kendry any Babylona. Ento any amin'ny mpanjaka aho ary dia hasehoko ny mpanjaka ny dikan'ny nofiny." 25 Dia nentin'i Arioka faingana teo anatrehan'ny mpanjaka i Daniela ary niteny hoe: "Nahita lehilahy iray teo amin'ireo olon'i Joda natao sesitany izay hanambara ny dikan'ny nofin'ny mpanjaka aho." 26 Hoy ny mpanjaka tamin'i Daniela (izay atao hoe Beltesazara): "Moa ve ianao afaka ny hilaza amiko ny nofy izay hitako sy ny heviny?" 27 Daniela namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: "Ny zava-miafina izay nanontanian'ny mpanjaka dia tsy azon'ireo izay manana fahendrena aseho, na ireo izay milaza fa miresaka amin'ny maty, na amin'ny alalan'ireo ombiasy, ary tsy amin'ny alalan'ireo mpanandro. 28 Na dia izany aza, misy Andriamanitra izay monina any an-danitra, izay manambara ny zava-miafina, ary efa nampahafantariny anao, ry Nebokadnezara mpanjaka, izay hitranga amin'ny andro ho avy. Ireto ny nofinao sy ireo fahitan'ny sainao raha nandry teo amin'ny fandrianao ianao. 29 Raha ny aminao, ry mpanjaka, ny fisainanao eo am-pandrianao dia momba ireo zavatra ho avy, ary izay manambara ireo zava-miafina dia efa nampahafantatra anao izay hiseho. 30 Raha ny amiko, izany zava-miafina izany dia tsy nambara tamiko nohon'ny fahendrena izay hananako bebe kokoa mihoatra ny olombelona hafa. Nambara tamiko izany zava-miafina izany mba hahatakaranao ny dikany, ry mpanjaka, ary mba hahafahanao mahafantatra ireo eritreritra lalina ao anatinao. 31 Ry mpanjaka, nitraka ianao ary nahita sarivongana lehibe. Io sarivongana io, izay mahery tokoa sy mamirapiratra, dia nijoro teo anatrehanao. Mampihorohoro ny famirapiratany. 32 Ny lohan'ny sarivongana dia natao tamin'ny volamena tsara indrindra. Ny tratrany sy ny sandriny dia vita tamin'ny volafotsy. Ny afovoany sy ny feny dia vita tamin'ny varahina, ary ny ranjon'izany dia natao tamin'ny vy. 33 Ny tongotr'izany dia vita tamin'ny vy ny ampahany ary tanimanga ny ampahany. 34 Nitraka ianao, ary nisy vato tapaka iray, na dia tsy tamin'ny alalan'ny tanan'ny olona aza, ary namely ny sarivongana teo amin'ny tongony vy sy tanimanga izany, ary nandrava azy ireo. 35 Avy eo ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy ary ny volamena dia potipotika ka lasa toy ny akofam-bary eo amin'ny famoloana amin'ny fahavaratra. Notsofin'ny rivotra ireo ary tsy nisy soritr'izy ireo tavela. Fa ilay vato izay namely ny sarivongana dia lasa tendromobohitra lehibe ary nameno ny tany rehetra. 36 Izany no nofinao. Ary andeha hilaza ny heviny amin'ny mpanjaka izahay izao. 37 Ianao, ry mpanjaka, no mpanjakan'ireo mpanjaka izay nomen'Andriamanitry ny lanitra ny fanjakana, ny fahefana, ny hery, ary ny voninahitra. 38 Efa nataony teo am-pelatananao ny toerana honenan'ny olombelona. Ary efa nomeny teo am-pelatananao ireo bibin'ny saha sy ny voron'ny lanitra, ary efa nanao anao ho mpanapaka eo amin'ireo rehetra ireo Izy. Ianao no lohan'ny sarivongana volamena. 39 Ao aorianao, dia hisy fanjakana hafa hitsangana izay ambany noho ianao, kanefa ny fanjakana varahina fahatelo dia hanapaka eo amin'ny tany rehetra. 40 Ary hisy fanjakana fahefatra, mafy tahaka ny vy, satria ny vy mamaky ireo zavatra hafa sy manorotoro ny zavatra rehetra. Manorotoro ireo zavatra rehetra ireo izany ary mamotika azy ireo. 41 Araka ny hitanao, ny tongotra sy ireo rantsany dia vita tamin'ny tanimanga nandrahoana sy vy ny ampahany, koa dia ho fanjakana voazara izany; ny sasany amin'ny herin'ny vy dia ho ao amin'izany, araka ny efa nahitanao ny vy nafangaro tamin'ny tanimanga malefaka. 42 Satria ireo rantsan-tongony dia natao tamin'ny vy ny ampahany ary tanimanga ny ampahany, dia ho mafy ny fanjakana amin'ny ampahany ary malemy amin'ny ampahany. 43 Tahaka ny nahitanao ny vy nafangaro tamin'ny tanimanga malefaka, dia hifangaro ireo olona; tsy hiara-hijanona izy ireo, tahaka ny vy tsy mifangaro amin'ny tanimanga. 44 Amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo, dia hametraka ny fanjakana izay tsy ho voarava mihitsy, na ho babon'ny olon-kafa ilay Andriamanitry ny lanitra. Handravarava ireo fanjakana hafa izany ary hampitsahatra azy ireo rehetra, ary dia hitoetra mandrakizay izany. 45 Araka ny efa hitanao, nisy vatolampy iray nanapaka tendrombohitra, fa tsy mba tamin'ny tanan'olombelona. Nanapatapaka ny vy, varahina, tanimanga, volafotsy, ary volamena izany. Efa nampahafantarin'ilay Andrimanitra lehibe anao, ry mpanjaka, izay hiseho aorin'izany. Marina ilay nofy ary azo antoka ity fandikana ity." 46 Nampiankohoka ny tavany teo anatrehan'i Daniela i Nebokadnezara ary nanaja azy; nandidy ny hanaovana fanatitra iray izy ary ditin-kazo manitra hatolotra ho azy. 47 Hoy ilay mpanjaka tamin'i Daniela hoe: "Tena ny Andriamanitrao no Andriamanitr'ireo andriamanitra, ilay Tompon'ireo mpanjaka, ary Ilay manambara ny zava-miafina, satria afaka manambara izany zava-miafina izany ianao." 48 Avy eo nataon'ny mpanjaka nanana ny haja ambony i Daniela ary nomeny fanomezana mahafinaritra. Nanao azy ho mpanapaka teo amin'ny ireo faritanin'ny Babylona rehetra izy. Lasa lehiben'ny governora teo amin'ireo olon-kendry indrindra an'i Babylona i Daniela. 49 Nanao fangatahana iray tamin'ny mpanjaka i Daniela, ary notendren'ny mpanjaka i Sadraka, Mesaka, ary Abednego mba ho mpandrindra eo amin'ireo faritanin'i Babylona. Fa Daniela kosa nitoetra tao amin'ny lapan'ny mpanjaka.
"Ao anatin'ny roa taona"
"nanofy i Nebokadnezara"
Eto ny hoe "saina" dia ilazana ireo eritreriny. DH: "Nampikorontana azy ny eritreriny."
Ny fihorohoroan'ny eritreriny dia nampisoroka azy tamin'ny torimasony. DH: "ka dia tsy afaka natory izy"
"Ary niantso ireo ombiasy ny mpanjaka."
"Ireo olona efa maty"
"Niditra teo amin'ny lapa izy ireo"
"nijoro nanolohana"
Eto ny hoe "saina" dia ilazana ny mpanjaka ihany. DH: "Mitebiteby aho"
"Mihorohoro"
Io no fiteny izay iresahan'ny vahoaka Babyloniana.
Niteny an'io angamba ireo lehilahy mba haneho amin'ny mpanjaka fa tsara fanahy taminy izy ireo. DH: "Ry mpanjaka, manantena izahay fa ho velona mandrakizay ianao!"
Miantso ny tenan'izy ireo ho mpanompon'ny mpanjaka ireo lehilahy mba hampisehoana fanajana azy.
Eto ny teny hoe "izahay" dia ilazana ireo lehilahy izay niresahan'ny mpanjaka ankoatra ny mpanjaka
Azo atao izany hoe DH: "Efa nanapa-kevitra ny amin'izay hatao momba izany raharaha izany aho"
DH: "Handidy ireo miaramilako handrotindrotika ny tenanareo aho ary hanao ny tranonareo ho korotam-pako."
DH: "Hanome fanomezana ho anareo aho."
Ireo olon-kendry dia niresaka tamin'ny mpanjaka tamim-panajana.
Ny fanapahan-kevitra izay tsy miova dia nolazaina ho toy ny zavatra hentitra. DH: "Hitanareo fa tsy naova ny fanapahan-kevitro momba izany aho."
"iray ihany ny sazy ho anareo."
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mifanakaikikaiky ary mampisongadina fa ireo dia "lainga natao hamitahana"
Ireo andian-teny roa ireo dia midika ifotony zavatra mitovy ary mampisongadina ny fahalebeazan'ny herin'ny mpanjaka. DH: "mahery indrindra"
DH: "Ireo andriamanitra irery ihany no afak hiteny izany amin'ny mpanjaka."
Ireo teny roa ireo dia midika ifotony zavatra mitovy ary mampisongadina ny hamafisan'ny hatezerany. DH: "tezitra tsy mampino"
"ny lehilahy rehetra any Babylona"
Ny lalàna dia nilazana toy ny hoe afaka nivelona sy afaka namoaka ny tenany izy. DH: "Ka namoaka didy ny mpanjaka" na "Ka nanome didy ny mpanjaka"
DH: "Natao hamono ny lehilahy rehetra izay fantatra noho ny fahendreny ireo miaramila."
DH: "Mba hamonoana azy ireo"
Ireo teny roa ireo dia midika ifotony zavatra mitovy ary mampisongadina ny halehibeazan'ny fahamalinany. DH: "fampitandremana sy fitsarana tsara."
Izany no anaran'ny mpifehin'ny mpanjaka.
Vondron-dehilahy izany izay miasa ho an'ny fiarovana ny mpanjaka.
"izay navoakan'ny mpanjaka mba hamono"
Niditra tao an-dapa angamba i Daniela. DH: "Nandeha tao an-dapa i Davida" na "Nandeha mba hiresaka amin'ny mpanjaka i Davida" (UDB)
"nangataka fotoana voatendry mba hihaona amin'ny mpanjaka."
Izany dia ilazana ny tranon'i Daniela
"momba ny didin'ny mpanjaka"
"Nangataka azy ireo hitady famindram-po izy"
DH: "mba tsy hamonoan'ny mpanjaka azy ireo" na "mba tsy hamonoan'ny mpiambina ny mpanjaka azy ireo."
DH: "Tamin'io alina io dia nambaran'Andriamanitra ilay zava-miafina."
Izany dia ilazana ny nofin'ny mpanjaka sy ny dikany.
Eto ny teny hoe "anarana" dia ilazana an'Andriamanitra ihany. DH: "Miderà an'Andriamanitra."
Ireto andininy ireto ihany koa dia ampahany amin'ny vavak'i Daniela.
"manongotra fahefan'ny mpanjaka hanapaka izy"
Ato ny fahatongavana eo amin'ny "seza fiandrianana" dia ilazana ny fanapahana eo amin'ny fanjakana. DH: "hanao mpanjaka vaovao hanapaka eo amin'ireo fanjakan'izy ireo."
"tonga avy any amin'Andriamanitra ny fahazavana."
Ireto andininy ireto ihany koa dia ampahany amin'ny vavak'i Daniela.
"niteny ahy izay nangatahiko sy ireo namako hoteneninao aminay" (UDB)
"niteny taminay izay tian'ny mpanjaka ho fantatra."
Izany no anaran'ny mpifehin'ny mpanjaka. Jereo hoe ahoanan no nandikanao io anarana io ao amin'ny 2:14
"ireo lehilahy hendry"
Izany no anarana Babyloniana nomena an'i Daniela. Jereo hoe ahoana no nandikanao ny anarany ao amin'ny 1:6
DH: "Ireo izay manam-pahendrena, ireo izay milaza fa miresaka amin'ny maty, ombiasy, ary mpanandro dia tsy afaka hanambara ny zava-miafina momba izay nanontanian'ny mpanjaka."
Io andian-teny io dia ilazana ny nofin'ny mpanjaka.
Mitohy miresaka amin'ny mpanjaka i Daniela.
Ilazana an'Andriamanitra io andian-teny io. DH: "Andriamanitra, izay manambara ireo zava-miafina." na "Andriamanitra, izay manao ireo zava-miafina ho fantatra."
DH: "Tsy nanambara tamiko izany zava-miafina izany tamiko Andriamanitra."
DH: "Nambarany tamiko ny zava-miafina mba"
Mampiasa ny teny hoe "ianao" ity andian-teny ity ilazana ny sain'ny olona. DH: "mahalala ny eritreritra lalina ao anatin'ny sainao."
Mitohy miresaka amin'ny mpanjaka i Daniela.
"dia tamin'ny volamena tsara" na "dia volamena tsara"
"dia tamin'ny vy tamin'ny ampahany ary tanimanga tamin'ny ampahany" na "dia vy tamin'ny ampahany ary tanimanga tamin'ny ampahany."
Mitohy miresaka amin'ny mpanjaka i Daniela.
DH: "nisy nanapaka vato avy amin'ny tendrombohitra, fa tsy olombelona no nanapaka izany. Ny vato" (UDB)
Io andian-teny io dia anoharana ireo singatsingan'ny sarivongana ho zavtra tena kely sy mamiratra izay mety tsofina eny amin'ny rivotra. DH: "tahaka ny singam-bozaka maina tsofina amin'ny rivotra"
DH: "lasa tanteraka izy ireo."
"niparitaka tamin'ny tany rehetra
Mitohy miresaka amin'ny mpanjaka i Daniela.
Eto ny hoe "izahay" dia ilazana an'i Daniela irery. Mety nampiasa ny endriny manambara maro izy tamim-panetre-tena mba hisorohana ny fandraisana fankasitrahana tamin'ny fahalalana ny hevitry ny nofy izay nambaran'Andriamanitra taminy.
"mpanjaka enjana indrindra" na "ny mpanjaka izay manapaka eo amin'ireo mpanjaka hafa" (UDB)
Ireo teny ireo dia midika mitovy ifotony.
Eto ny hoe "tanana" dia ilazana ny fanaraha-maso. DH: "Nomeny anao ny fanaraha-maso eo amin'ny toerana"
Ny toerana dia nampiasaina mba hanehoana ny olona izay nonina tao. DH: "Ny vahoakan'ny tany"
Eto ny hoe "tanana" dia ilazana ny fanaraha-maso. DH: "Nomeny anao ny fandrindrana eo amin'ireo bibin'ny saha sy ny voron'ny lanitra"
Tao amin'ny nofin'ny mpanjaka ny lohann'y sarivongana dia naneho ny mpanjaka. DH: "Ny loha volamena dia manambara anao" na "Ny loha volamena dia fanambarana anao sy ny herinao"
Mitohy miresaka amin'ny mpanjaka i Daniela.
tao amin'ny nofin'ny mpanjaka ny fanjakany dia voalmena ka ny fanjakana ambany dia tokony ho volafotsy. DH: "fanjakana hafa, izay tamin'ny volafotsy, hitsangana" na "fanjakana hafa, izay naseho tamin'ny volafotsy amin'ny ampahan'ny sarivongana, dia hitsangana
"kanefa fanjakana laharana fahatelo, izay tamin'ny varahina," na "dia hisy fanjakana hafa, izay naseho tamin'ny varahina amin'ny ampahan'ny sarivongana"
Mitohy miresaka amin'ny mpanjaka i Daniela.
"Hisy fanjakana laharana fahefatra"
Ny fanjakana fahefatra dia nolazaina ho mafy tahaka ny vy.
Io fomba fiteny an'ohatra io dia midika fa ny fanjakana fahefatra dia handresy sy hanolo ireo fanjakana hafa.
"ireo fanjakana teo aloha" (UDB)
Mitohy miresaka amin'ny mpanjaka i Daniela.
Hitan'i Nebokadnezara fa ireo tongotra dia nizara ho tanimanga sy vy. Tsy hitany ny ambaratongan'ny fanamboarana ireo tongotra.
DH: "izay misy fangarona tanimanga nandrahoina sy vy."
"tsy hijanona miaraka izy ireo"
Mitohy miresaka amin'ny mpanjaka i Daniela.
Eto ny hoe "ireo mpanjaka" dia ilazana ireo mpanjapaky ny fanjakana naseho tamin'ny ampahany samifafa tamin'ny sarivongana.
DH: "izay tsy azon'iza na iza ravaina, ary tsy ho baboin'ny olon-kafa mandrakizay.
DH: "Nisy olona nanapaka vato avy amin'ny tendrombohitra, fa tsy olombelona no nanapaka izany"
mahatoky sy marina.
Io asa fanehiana io dia mampiseho fa ny mpanjaka dia nanome vononahitra an'i Daniela. DH: "Niankohoka ambany niaraka taimin'ny tavany tamin'ny tany."
DH: "nanao fanatitra sy nanolotra ditin-kazo manitra ho an'i Daniela ireo mpanompony."
"Marina tokoa fa ny Andriamanitrao"
"Lehibe noho ireo andriamani-kafa rehetra, ary Mpanjakan'ny mpanjaka rehetra" (UDB)
Adikao ny hoe "Ilay manambara ny zava-miafina" tahaka ny ao amin'ny 2:29
"hanambara ny zava-miafin'ny nofiko"
"Nanao an'i Daniela ho mpanapaka ny mpanjaka"
Ireo no anarana Babyloniana an'ireo lehilahy Jiosy telo izay nentina tany Babylona niaraka tamin'i Daniela. Jereo hoe ahoana no nandikanao ireo anarana ireo ao amin'ny 1:6
1 Nanamboatra sarivongana volamena i Nebokadnezara mpanjaka izay enimpolo hakiho ny halavany ary enina hakiho ny sakany. Napetrany tao amin'ny Lemak'i Dora ao amin'ny faritanin'i Babylona izany. 2 Dia nandefa hafatra i Nebokadnezara mba hampivory miaraka ireo governoram-paritany, ireo governoram-paritra, ary ireo governora teo an-toerana, mbamin'ireo mpanolo-tsaina, ireo mpitam-bola, ireo mpitsara, ireo mpahay lalàna, ireo manam-boninahitry ny faritany ambony rehetra mba ho tonga amin'ny fitokanana ny sarivongana izay efa natsangany. 3 Dia niara-nivory ireo governoram-paritany, ireo governoram-paritra, sy ireo governora teo an-toerana, niaraka tamin'ireo mpanolo-tsaina, ireo mpitam-bola, ireo mpitsara, ireo mpahay lalàna, ireo manam-boninahitry ny faritany ambony rehetra mba ho tonga amin'ny fitokanana ny sarivongana izay efa natsangan'i Nebokadnezara. Nijoro teo anoloan'izany izy ireo. 4 Dia nisy mpikabary nihiaka mafy hoe: "Didiana ianareo, ry vahoaka, ry firenena, sy ireo fiteny samihafa, 5 fa amin'ny fotoana handrenesanareo ny feon'ny anjomara, sodina, sitara, lokanga, harpa ary farara, sy ny karazan-java-maneno rehetra, dia tsy maintsy miondrika ary miankohoka eo amin'ny sarivongana volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka ianareo. 6 Na iza na iza tsy miondrika ka manompo, amin'izany fotoana izany mihitsy, dia hatsipy ao anaty lafaoro midedadeda." 7 Koa rehefa nandre ny feon'ny anjomara, sodina, sitara, lokanga, harpa ary farara, sy ny karazan-java-maneno rehetra ny vahoaka manontolo, ireo firenena, sy fiteny dia niondrika ary niankohoka teo amin'ny sarivongana volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka. 8 Ary tamin'io fotoana io dia nisy Kaldeana tonga ary nitondra fiampangana hanohitra ireo Jiosy. 9 Hoy izy ireo tamin'i Nebokadnezara mpanjaka: "Ry mpanjaka! Ho velona mandrakizay anie ianao! 10 Ianao, ry mpanjaka, dia efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny feon'ny anjomara, sodina, sitara, lokanga, harpa ary farara, sy ny karazan-java-maneno rehetra, dia tsy maintsy miondrika ary miankohoka eo amin'ny sarivongana volamena. 11 Na iza na iza tsy miondrika sy manompo dia tsy maintsy atsipy ao anaty lafaoro midedadeda. 12 Ary misy ireo Jiosy izay notendrenao amin'ireo raharaham-paritanin'i Babylona; ny anaran'izy ireo dia Sadraka, Mesaka, ary Abednego. Ireo lehilahy ireo, ry mpanjaka, dia tsy nihaino anao. Tsy hivavaka na hanompo ireo andriamanitrao izy ireo, na hiankohoka eo anoloan'ny sarivongana volamena izay efa natsanganao." 13 Ary Nebokadnezara, feno fahatezerana sy fahavinirana, dia nandidy ny hitondrana an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego ho eo aminy. Koa nentin'izy ireo teo anoloan'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo. 14 Hoy Nebokadnezara tamin'izy ireo: "Efa nandefa fisainanareo ve ianareo ry Sadraka, Mesaka, ary Abednego, fa tsy hanompo ireo andriamanitro ka hiankohoka eo anoloan'ny sarivongana volamena izay efa natsangako? 15 Ary raha vonona ianareo— rehefa mandre ny feon'ny anjomara, sodina, sitara, lokanga, harpa ary farara, sy ny karazan-java-maneno rehetra— ny hiondrika ary hiankohoka eo amin'ny sarivongana volamena izay efa namboariko, dia hilamina ny zava-drehetra. Fa raha tsy manompo ianareo, dia hatsipy avy hatrany ao anaty lafaoro midedadeda. Iza no andriamanitra afaka mamonjy anareo eo an-tanako?" 16 Namaly ny mpanjaka i Sadraka, Mesaka, ary Abednego hoe: "Ry Nebokadnezara, tsy mila mamaly anao amin'izany raharaha izany izahay. 17 Raha misy valiny, dia ny Andriamanitray izay tompoinay no afaka miaro anay amin'ny lafaoro midedadeda, ary hamonjy anay tsy ho eo an-tananao Izy, ry mpanjaka. 18 Fa na tsy izany aza, dia aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa tsy hanompo ireo andriamanitrao izahay, ary tsy hiankohoka amin'ny sarivongana volamena izay efa natsanganao." 19 Dia feno fahatezerana i Nebokadnezara; niova tamin'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego ny endriny. Nodidiany fa tokony hafanaina im-pito mahamay kokoa noho ny hafanany mahazatra ny lafaoro. 20 Dia nandidy lehilahy matanjaka maro tao amin'ny tafiny izy mba hamatotra an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego ka hanipy azy ireo ao anaty lafaoro midedadeda. 21 Nofatorana mbola tamim-piakanjoana ireo akanjolavany, ireo kapaotiny, ireo satrony, sy fitafiana hafa izy ireo, ka natsipy tao anaty lafaoro midedadeda. 22 Satria hentitra ny fanarahana ny baikon'ny mpanjaka ary nahamay be ny lafaoro, dia namono ireo lehilahy izay nampiakatra an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego ny lelafo. 23 Ireo lehilahy telo ireo, izay Sadraka, Mesaka, ary Abednego, dia nianjera tao anatin'ny lafaoro midedadeda izy ireo sady nifatotra. 24 Dia gaga Nebokadnezara mpanjaka ka nitsangana faingana. Nanontany ireo mpanolotsainy izy hoe: "Moa ve tsy natsipintsika nifatotra tao anaty afo izy telolahy?" Dia namaly ny mpanjaka izy ireo hoe: "Eny tokoa, ry mpanjaka." 25 Hoy izy: "Nefa aho mahita lehilahy efatra tsy mifatotra mandehandeha ao anaty afo, ary tsy maninona izy ireo. Ny fanjelatry ny fahefatra dia tahaka ny zanak'ireo andriamanitra." 26 Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro midedadeda i Nebokadnezara ka niantso mafy hoe: "Ry Sadraka, Mesaka, ary Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha! Mankanesa aty!" Dia nivoaka avy tao amin'ny afo i Sadraka, Mesaka, ary Abednego. 27 Ireo governoram-paritany, ireo governoram-paritra, ireo governora hafa, ary ireo mpanolo-tsain'ny mpanjaka izay niara-niangona dia nahita ireo lehilahy ireo. Tsy nampaninona ny vatan'izy ireo ny afo; tsy may ny volon-dohan'izy ireo; tsy simba ny fitafian'izy ireo; ary tsy nisy fofon'afo taminy. 28 Hoy Nebokadnezara: "Ndeha isika hidera ny Andriamanitr'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego, izay nandefa ny irany ary nanome izao hafany izao ho an'ireo mpanompony. Natoky Azy izy ireo raha nandà ny baikoko, ary nahafoy ny vatany izy ireo toy izay hanompo sy hiankohoka amin'izay andriamanitra afa-tsy ny Andriamanitr'izy ireo. 29 Koa manao lalàna aho fa izay vahoaka, firenena, na fiteny izay milaza zavatra hanohitra ny Andriamanitr'i Sadraka, Mesaka, sy Abednego dia tsy maintsy ravana, ary ny tranon'izy ireo dia tsy maintsy atao ho fako mivangongo satria tsy misy andriamani-kafa afaka manavotra tahaka izao." 30 Dia nampisondrotra an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego tao amin'ny faritanin'i Babylona ny mpanjaka.
Io lehilahin'i Nebokadnezara io dia nanao sy nametraka sarivongana tamin'ny alalan'ny mpanapakany izay niteny tahaka ny hoe i Nebokadnezara no nanao sy nametraka ny saribongana. DH: "Nandidy ireo lehilahiny i Nebokadnezara mba hanao sarivongana volamena... nanao izany izy ireo."
"eo amin'ny 27 metatra eo ho eo ny halavany ary efa ho 3 metatra ny sakany".
Toerana ao anatin'ny fanjakan'ny Babylona izany.
Ireo dia manam-pahefana izay manana fahefana eo amin'ny ambaratongam-paritany.
Ireo manam-pahefana ireo dia natao handraharaha ny vola.
Adikao tahaka ny ao amin'ny 3:1 io lisitra io
Nataon'ireo lehilahin'i Nebokadnezara ireo ilay sarivongana izay notenenina tahaka ny hoe i Nebokadnezara no nanao azy. DH: "Ny sarivongana izay nataon'ireo lehilahin'i Nebokadnezara."
Io olona io dia mpitondra hafatra manam-pahefana ho an'ny mpanjaka.
DH: "Mandidy anareo ny mpanjaka"
Eto ny hoe "firenena" sy "fiteny samihafa" dia maneho vahoaka avy any amin'ny firenen-tsamihafa izay miteny amin'ny fiteny samihafa. DH: "Vahoaka avy amin'ny firenen-tsamihafa ary izay miteny fiteny samihafa"
Ireo dia zava-maneno mitovy amin'ny harpa. Izy ireo dia miendrika telozoro ary misy tady efatra.
Eto ny hoe "miondrika" dia midika hoe "miankohoka haingana"
"Ahinjiro ambany amin'ny tany ny tavanareo mba hivavahanareo amin'ny"
DH: "Ireo miaramila dia hanipy ao anatin'ny lafaoro midedadeda izay olona tsy miondrika sy manompo ny sarivongana amin'ny fotoana izay tena hendrenesan'izy ireo ny mozika."
Eto ny hoe "miondrika" dia midika hoe "miankohoka haingana"
Inty dia efi-trano lehibe feno afo mahamay.
Eto ny hoe "manontolo" dia midika ny vahoaka rehetra izay nanatrika.
Eto ny hoe "firenena" sy "fiteny" dia maneho vahoaka avy any amin'ny firenen-tsamihafa izay miteny amin'ny fiteny samihafa. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 3:3. DH: "Vahoaka avy amin'ny firenen-tsamihafa ary izay miteny fiteny samihafa"
Zava-maneno ireo. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:3 izany.
Eto ny hoe "niondrika" dia midika hoe "niankohoka haingana"
"Ahinjiro ambany amin'ny tany ny tavanareo mba hivavahanareo amin'ny"
Izay nataon'ireo lehilahin'i Nebokadnezara ireo izay nolazaina tahaka ny hoe i Nebokadnezara no nanao azy. DH: "Ny sarivongana volamena izay natsangan'ireo lehilahin'i Nebokadnezara mpanjaka."
Io teny io dia nampiasaina mba hanamarika fiatohana eo amin'ny fizotra fototry ny tantara. Eto dia milaza momba ny vahoaka vaovao ao amin'ny tantara ny mpanoratra.
Izany no fiarahabana ny mpanjaka iraisana.
Zava-maneno ireo. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:3 izany.
Eto ny hoe "miondrika" dia midika hoe "miankohoka haingana"
"Ahinjiro ambany amin'ny tany ny tavanareo mba hivavahanareo amin'ny"
DH: "Ireo miaramila dia hanipy ao anatin'ny lafaoro midedadeda izay olona tsy miondrika sy manompo ny sarivongana"
Eto ny hoe "miondrika" dia midika hoe "miankohoka haingana"
Inty dia efi-trano lehibe feno afo mahamay. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:6 izany.
"asa" na "fandraharahana"
Ireo no anarana Babyloniana an'ireo naman'i Daniela Jiosy telo. Jereo ho eahoana no nandikanao azy ao amin'ny 1:6
"tsy mba nihaino anao"
"Ahinjiro ambany amin'ny tany ny tavanareo mba hivavahanareo amin'ny"
Izay nataon'ireo lehilahin'i Nebokadnezara ireo izay nolazaina tahaka ny hoe i Nebokadnezara no nanao azy. DH: "Ny sarivongana volamena izay natsangan'ireo lehilahinao."
Ny fahatezerana sy ny fahaviniran'i Nebokadnezara dia tena niezinezina ka nilazan'izy ireo azy hoe nameno azy izany. Eto ny hoe "fahatezerana" sy "fahavinirana" dia midika zavatra mitovy arynampiasaina mba hampisongadinana ny fahatafitohinan'ny mpanjaka. DH: "Tezitra tanteraka"
Ireo no anarana Babyloniana an'ireo naman'i Daniela Jiosy telo. Jereo ho eahoana no nandikanao azy ao amin'ny 1:6
Eto ny hoe "fisainana" dia ilazana fanapahan-kevitra. "Mandefa fisainanareo" dia fomba fiteny izay midika fanapahan-kevitra tanteraka. DH: "Efa nanapa-kevitra tanteraka ve ianareo"
"Ahinjiro ambany amin'ny tany ny tavanareo mba hivavahanareo amin'ny"
Izay nataon'ireo lehilahin'i Nebokadnezara ireo izay nolazaina tahaka ny hoe i Nebokadnezara no nanao azy. DH: "Ny sarivongana volamena izay natsangan'ireo lehilahinao."
Zava-maneno ireo. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:3 izany.
Eto ny hoe "miondrika" dia midika hoe "miankohoka haingana"
"Ahinjiro ambany amin'ny tany ny tavanareo mba hivavahanareo amin'ny"
"tsy hisy olana intsony" na "ho afaka nyhandeha ianareo"
Izay nataon'ireo lehilahin'i Nebokadnezara ireo izay nolazaina tahaka ny hoe i Nebokadnezara no nanao azy. DH: "Ny sarivongana izay natsangan'ireo lehilahinao."
DH: "Hanipy anareo avy hatrany ao anaty lafaoro midedadeda ireo miaramilako."
Inty dia efi-trano lehibe feno afo mahamay. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:6 izany.
Tsy nanatena valiny ny mpanjaka. Mandrahona ireo telo lahy izy. DH: "Tsy misy andriamanitra afaka hanavotra anareo amin'ny heriko!"
Eto ny hoe "tanana" dia ilazana hery hanasazy. DH: "amin'ny fanasaziako"
Inty dia efi-trano lehibe feno afo mahamay. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:6 izany.
Eto ny hoe "tanana" dia ilazana hery hanasazy. DH: "amin'ny fanasaziako"
"Nefa ry mpanjaka, tsy maintsy mampahafantatra anao izahay fa na tsy mamonjy anay aza ny Andriamanitray"
"Ahinjiro ambany amin'ny tany ny tavanareo mba hivavahanareo amin'ny"
Izay nataon'ireo lehilahin'i Nebokadnezara ireo izay nolazaina tahaka ny hoe i Nebokadnezara no nanao azy. DH: "Ny sarivongana izay natsangan'ireo lehilahinao."
Tezitra mafy ny mpanjaka ka nolazaina fa nameno azy ny hatezerana. DH: "Tonga tezitra tanteraka i Nebokadnezara"
Et ny hoe "im-pito mahamay kokoa" dia fomba fiteny izay midika fa natao tena mahamay indrindra izany. DH: "Nandidy ireo lehilahiny izy mba hanao ny lafaoro ho mahamay indrindra noho izay fanaovan'izy ireo azy amin'ny antonony."
Ny satroka dia saron-doha natao tamin'ny sarona akanjo.
Inty dia efi-trano lehibe feno afo mahamay. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:6 izany.
DH: "Satria ireo lehilahy dia nanao ara-bakiteny izay nandidian'ny mpanjaka"
"Nanipy telolahy nifatotra tanaty afo isika, marina"
Ninoana ho manjelatra tamin'ny fahazavana ireo andriamanitra. DH: "Ny lehilahy fahefatra dia manjelatry ny fahazavana tahaka fahazavan'ny zanak'ireo andriamanitra"
Ireo dia manam-pahefana izay manana fahefana eo amin'ny ambaratongam-paritany. jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 3:1
DH: "Tsy nandoro ny volo teo amin'ny lohan'izy ireo ny afo"
"may tsimoramora"
"Tsy nanimba ny fitafian'izy ireo ny afo"
"tsy namofona afo izy ireo"
Tsy mankato ny didin'ny mpanjaka izay voalaza fa tahaka ny hoe nakisak'izy ireo ara-batana hiala amin'izy ireo izany. DH: "Tsy niraharaha ny didiko izy ireo"
Io andian-teny io dia ilazana ny finiavan'ireo telolahy ho faty noho izay inoany. DH: "Vonona ny ho faty izy ireo"
"Ahinjiro ambany amin'ny tany ny tavanareo mba hivavahanareo amin'ny"
"andriamanitra hafa afa-tsy ny Andriamnitr'izy ireo."
DH: "Hamiravira izay olona, firenena, na fiteny ireo mpanompoko ... ary hanao ny tranon'izy ireo ho antontam-pako.
Eto ny hoe "firenena" sy "fiteny dia maneho olona avy any amin'ny firenen-tsamihafa izay miteny amin'ny fiteny samihafa. Jereo hoe ahoana no nandikanao ny andian-teny mitovitovy ao amin'ny 3:3. DH: "izay olona avy any amin'ny firenena, na izay miteny amin'ny fiteny fiteniny"
"milaza teny izay tsy manaja an'Andriamanitra"
"dia tsy maintsy handray ny vatany horavaina"
DH: "ny Andriamanitr'izy ireo ihany no afaka mamonjy tahaka izao"
1 Nandefa izao didy izao ho an'ireo vahoaka, ireo firenena, ary ireo fiteny rehetra izay nonina tety ambonin'ny tany i Nebokadnezara mpanjaka hoe: "Hampitomboina aminareo anie ny fiadanana. 2 Toa tsara amiko ny milaza aminareo ireo famantarana sy zava-mahagaga izay nataon'ny Avo Indrindra tamiko. 3 Lehibe loatra ireo famantarany, ary mahery loatra ireo zava-mahagagany! Fanjakana tsy manam-pahataperana ny fanjakany, ary maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby ny fanapahany. 4 Izaho, Nebokadnezara, dia nonina tamin-kafaliana tao an-tranoko, ary nankafy fahombiazana aho tao amin'ny lapako. 5 Saingy nampatahotra ahy ny nofiko iray. Raha nandry iny aho, dia nampikorontana ahy ireo kisarisary sy ireo fahitàna izay tato an-tsaiko. 6 Koa dia nanome didy aho ny hitondràna teo amiko ireo lehilahin'i Babylona rehetra izay nanam-pahendrena raha afaka ny handika ny nofy ho ahy izy ireo. 7 Ary dia tonga ireo ombiasy, ireo izay milaza fa miresaka amin'ny maty, ireo olon-kendry, ary ireo mpanandro. Nanambara ilay nofiko tamin'izy ireo aho, fa tsy afaka ny handika izany tamiko izy ireo. 8 Nefa niditra i Daniela nony farany_ ilay iray izay nantsoina hoe Beltesazara araka ny anaran'andriamanitro, misy fanahin'ireo andriamanitra koa ao anatiny_ ary nilaza taminy ilay nofiko aho. 9 "Ry Beltesazara, ombiasibe, fantatro fa ao aminao ny fanahin'ireo andriamanitra masina ary tsy misy zava-miafina izay sarotra aminao ihany koa. Lazao ahy izay hitako tao anaty nofiko ary inona ny dikan'izany. 10 Ireto avy ireo fahitana izay hitako tao an-tsaiko raha nandry tao am-pandriako aho: nandinika aho, ary nisy hazo iray teo afovoan'ny tany, ary lehibe tokoa ny haavon'izany. 11 Nihanitombo ilay hazo ka tonga nahery. Nananika ny lanitra ny tendrony, ary afaka mahita izany hatrany amin'ireo vazan-tany manontolo. 12 Tsara tarehy ny raviny, marobe aok'izany ny voany, ary nisy sakafo ho an'ny rehetra teo amboniny. Nahita fialofana tao ambaniny ny bibidia, ary ny voron'ny habakabaka nonina teo amin'ireo rantsany. Voafahana avy tamin'izany avokoa ireo zava-manan'aina rehetra. 13 Nahita tao an-tsaiko aho tamin'izaho nandry teo am-pandriako, ary nisy iraka masina iray nidina avy teny amin'ny habakabaka. 14 Nihiaka mafy izy ka nanao hoe: 'Kapao ilay hazo ary tapaho ireo ratsany, esory ireo raviny, ary aparitaho ny voany. Aoka ireo biby handositra avy eo ambanin'izany ary ireo vorona hanidina lavitr'ireo rantsany. 15 Avelao ny fototry ny fakany ho ao anaty tany, fatory amin'ny fehim-by sy varahina, eo afovoan'ny ahitry ny saha. Aoka izany ho kotsan'ny andon'ny habakabaka. Aoka izany hivelona miaraka amin'ireo biby eo amin'ireo voninkazo eny amin'ny tany. 16 Aoka ny fisainany hiova fisainan'olona, ary aoka ny fisainam-biby no homena azy hatramin'ny fahalasan'ny fito taona. 17 Izany fanapahan-kevitra izany dia avy tamin'ny didy notaterin'ilay iraka. Izany fanapahan-kevitra izany no nataon'ireo masina mba ahafahan'ireo velona mahafantatra fa manapaka manerana ireo fanjakanan'ny vahoaka ny Avo Indrindra ary manome azy ireo ho an'ny olona izay tiany hapetraka eo amin'izy ireo, na dia ny lehilahy faran'izay manetry tena aza.' 18 Izaho, Nebokadnezara, no nanana izany nofy izany. Ankehitriny ianao, ry Beltesazara, Lazao ahy ny dikany, satria tsy misy amin'ireo lehilahy hendrin'ny fanjakako afaka ny handika izany ho ahy. Fa ianao no afaka manao izany, satria ao aminao ny fanahin'ireo andriamanitra masina." 19 Ary Daniela, izay natsoina ihany koa hoe Beltesazara, dia tohina mafy nandritra ny fotoana vitsy, ka nanaitra azy ny fisainany. Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Ry Beltesazara, aza avela hanaitra anao akory ny nofy na ny dikan'izany." Namaly Beltesazara hoe: "Ry Tompoko, aoka ho amin'ireo izay mankahala anao anie ny nofy; ho an'ireo fahavalonao anie ny dikan'izany. 20 Ilay hazo izay hitanao—izay nitombo ka tonga nahery, ary izay nipaka tany an-danitra ny tendrony, ka azo nojerena tany amin'ny ireo faran'ny tany rehetra— 21 izay tsara tarehy tokoa ireo raviny, ary maro dia maro tokoa ny voany, mba hisian'ny sakafo ho an'ny rehetra ao amin'izany, ary ao ambaniny no ahitan'ireo bibin'ny saha fialofana, ary nonenan'ireo voron'ny habakabaka tao aminy— 22 izany hazo izany dia ianao, ry mpanjaka, ianao izay nitombo ho tena mahery. Nihanitombo ny fahalehibeazanao ka nanakatra ny lanitra, ary ny fanapahanao nipaka tany amin'ireo faran'ny tany. 23 Ianao, ry mpanjaka, no nahita ny iraka masina nidina avy tany an-danitra ka niteny hoe: "Kapaho ilay hazo ary poteho izany, nefa avelao ny fakan'izany ho ao amin'ny tany, fatory amin'ny fehim-by sy varahina, eo afovoan'ny ahitra malemin'ny saha. Avelao ho kotsan'ny ando avy any an-danitra izany. Aoka izany hivelona hiaraka amin'ireo bibidia eny amin'ireo saha mandra-paha lasan'ny fito taona.' 24 Izany no dikany, ry mpanjaka. Izany no didin'ny Avo Indrindra izay nipaka taminao, ry tompoko mpanjaka. 25 Hesorina amin'ny olona ianao, ary hitoetra miaraka amin'ireo bibidia any amin'ireo saha. Hampihinanana ahitra tahaka ny omby ianao, ary ho kotsan'ny ando avy any an-danitra, ka fito taona no handalo mandra-pihaikinao fa ny Avo Indrindra no manapaka eo amin'ireo fanjakan'olona ary Izy no manome azy ireo ho amin'ny olona izay iriany. 26 Araka ny nandidiana ny hamelàna ny fakan'ny hazo, dia amin'izany fomba izany no hamerenana ny fanjakanao ho aminao amin'ny fotoana hahalalanao fa manjaka ny lanitra. 27 Noho izany, ry mpanjaka, aoka ny torohevitro ho azo ekena aminao. Ajanony ny fanotàna ka manaova izay marina. Mivilia amin'ireo helokao amin'ny fanehoana famindram-po amin'ireo nampahoriana, ary izany dia mba ho afaka hihitatra ny fahombiazanao." 28-29 Nitranga tamin'ny mpanjaka Nebokadnezara ireny zavatra rehetra ireny. Roa ambin'ny folo volana taty aoriana dia nandeha teo amin'ny tafon'ny lapan'ny mpanjaka tany Babylona izy, 30 ary hoy izy hoe: "Tsy ity ve ilay Babylona lehibe, izay natsangako ho an'ny toeram-ponenam-panjakako, ho amin'ny voninahitry ny fahalehibeazako?" 31 Raha mbola teo am-bavan'ny mpanjaka ireo teny, dia nisy feo avy any an-danitra hoe: "Ry Nebokadnezara mpanjaka, nambara taminao fa efa nesorina taminao izao fanjakana izao. 32 Ho roahina tsy ho eo amin'ny vahoaka ianao, ary ny toeram-ponenanao dia hiaraka amin'ireo bibidia eny amin'ireo saha. Hampihinanana ahitra tahaka ny omby ianao. Fito taona no handalo mandra-pahatonga anao hiaiky fa ny Avo Indrindra no manapaka eran'ireo fanjakan'ny olona ary Izy no manome azy ireo ho an'ny olona iriany." 33 Izany didy nanohitra an'i Nebokadnezara izany dia notanterahina tsy nisy atak'andro. Noroahina tsy ho eo amin'ny vahoaka izy. Nihinana ahitra tahaka ny omby izy, ary kotsan'ny andon'ny lanitra ny vatany. Nihalava tahaka ny volon'ny rain'ny voromahery ny volony, ary tonga tahaka ny an'ny vorona ireo hohony. 34 Tamin'ny fiafaran'ny andro, izaho, Nebokadnezara, nanandratra ny masoko any amin'ny lanitra, ary naverina tamiko indray ny adalàko. "Midera ny Avo Indrindra aho, ary manome voninahitra an'ilay Iray izay mitoetra mandrakizay aho. Fa tsy manam-pahataperana ny fanapahany, ary maharitra hatramin'ny taranaka fara-mandimby ny fanjakany. 35 Tsinotsinona taminy ny mponin'ny tany rehetra; manao izay rehetra mety amin'ny sitra-pony amin'ny tafiky ny lanitra sy ny mponin'ny tany Izy. Tsy misy afaka hampijanona Azy na hifaninana aminy. Tsy misy afaka ny hiteny Azy hoe: 'Nahoana no nanao izao Ianao?'" 36 Tamin'io fotoana niverenan'ny adalako tamiko io ihany, dia niverina tamiko ny voninahitro sy ny fahalehibeazako ho an'ny voninahitry ny fanjakako. Nahita ny sitrako ireo mpanolotsaiko sy ireo lehilahiko mendri-kaja. Nentina niverina teo amin'ny seza fiandrianako indray aho, ary ambonin'izany dia nomena fahalehibeazana bebe kokoa aho. 37 Izaho, Nebokadnezara, dia midera, manandratra, ary manome voninahitra ilay Mpanjakan'ny lanitra ankehitriny, fa marina ireo asany, ary mahitsy ny lalany. Afaka mampietry ireo izay mandeha amin'ny fiavonavonany Izy.
Amin'ity toko ity, i Nebokadnezara dia miteny izay nataon'Andriamanitra taminy. Ao amin'ny andininy 1-18, i Nebokadnezara dia mamaritra ny fahitany avy amin'Andriamanitra. Ireo andininy 19-33 dia mamaritra ny sazin'i Nebokadnezara. Ireo andininy 34-37 dia mamaritra ny valin-teniny amin'Andriamanitra.
Io andian-teny io dia milaza ny mpandefa hafatry ny mpanjaka ho mpanjaka tenany. DH: "nandefa ireo mpitondra hafany i Nebokadnezara"
Eto ny hoe "firenena" sy "fiteny" dia maneho olona avy any amin'ny firenen-tsamihafa izay miteny amin'ny fiteny samihafa. Jereo hoe ahoana no nandikanao ny andian-teny mitovitovy ao amin'ny 3:3. DH: "izay olona avy any amin'ny firenena, na izay miteny amin'ny fiteny fiteniny"
Ireo mpanjaka dia matetika manisy fanitarana amin'ny fahalalahan'ny fanjakan'izy ireo. Nanapaka teo amin'ny ankabeazan'ny tany fantatra tamin'ny fotoana nanoratana ity boky ity i Nebokadnezara. DH: "izay nonina teo amin'ny fanjakan'ny Babylona"
Fiarahabana iraisana izany
Ireo teny ireo dia manome dika mitovy ary ilazana ny zava-mahagaga izay nataon'Andriamanitra.
Na ireo andian-teny ireo aza dia manana dika mitovy ary nampiasaina mba hampisongadina ny fahalehibeazana sy fahagagan'ny famantaran'Andriamanitra.
Na ireo andian-teny ireo aza dia manana dika mitovy ary naverina mba hampisongadinana ny fanjakan'Andriamanitra mandrakizay.
Amin'ny andininy 1-18, mamaritra ny fahitany avy amin'Andriamanitra i Nebokadnezara
Ireo andian-teny roa ireo dia mifanindran-dalana ary midika zavatra mitovy.
Ireo andian-teny roa ireo dia midika ifotony zavatra mitovy.
Ireo andian-teny ireo dia midika ifotony zavatra mitovy.
Ireo andian-teny ireo dia mifanindran-dalana ary midika zavatra mitovy.
"ireo lehilahy hendrin'i Babylona rehetra"
Amin'ny andininy 1-18, mamaritra ny fahitany avy amin'Andriamanitra i Nebokadnezara
DH: "Izay nantsoiko hoe Beltesazara"
Izany no ananrana Babyloniana nomena an'i Daniela. Jereo hoe ahoana no nandikanao ny anarany ao amin'ny 1:6
Nino i Nebokadnezara fa ny herin'i Daniela dia avy any amin'ireo andriamanitra tsy izy izay notompoin'i Nebokadnezara.
DH: "Mahatakatra ny dikan'ny zava-miafina rehetra ianao."
Amin'ny andininy 1-18, mamaritra ny fahitany avy amin'Andriamanitra i Nebokadnezara
ireo zavatra izay hitanao
"tena lava tokoa izany"
Fiteny an'ohatra izany izay misy fanitarana ny amin'ny haavo sy ny fahafantarana ilay hazo. DH: "Toa mananika ny habakabaka ny tendrony ary ny olon-drehetra amin'ny tany dia afaka mahita azy." (UDB)
"nisy voa marobe tamin'ny hazo"
"sakafo ho an'ny olona sy ireo biby"
Amin'ny andininy 1-18, mamaritra ny fahitany avy amin'Andriamanitra i Nebokadnezara
Izany dia ilazana ny fahitana nofy na fahitana. DH: "Nahita tao amin'ny nofiko aho"
Azo hanazavana izany ny hoe ny mpitondra teny masina dia niresaka tamin'ny olona nihoatra ny iray. DH: "Nihiakiaka tamin'ny olonasasany izy ka nanao hoe"
"Ireo biby dia handositra avy any ambanin'izany ary ny vorona dia hanidina lavitr'ireo rantsany."
Amin'ny andininy 1-18, mamaritra ny fahitany avy amin'Andriamanitra i Nebokadnezara
Ny mpitondra hafatra masina ao amin'ny fahitana dia manohy mihiakiaka amin'ny olona sasany.
Izany dia ampahany amin'ny hazo izay tavela ambonin'ny tany aorian'ny hanapahana ilay hazo.
Hamandoana amin'ny tany izay hita ami'nny maraina.
Hatramin'ny hazo izay nasehon'i Nebokadnezara, ny mpisolo tena "azy" sy "izy" ao amin'ny andininy 16 dia milaza hazo mitovy ihany tahaka ny mpisolo tena tsy miandany ao amin'ny andininy 15. DH: "Hiova ny fisainan'ny olona hiala amin'ny fisainan'ny olona hakamin'ny fisainam-biby mandritry ny fito taona.
Amin'ny andininy 1-18, mamaritra ny fahitany avy amin'Andriamanitra i Nebokadnezara
DH: "Ireo masina no nanao izany fanapaha-kevitra izany."
Io andian-teny io dia ilazana ireo anjely angamba. DH: "ireo anjely masina."
"ny olona velona tsirairay avy" na "ny rehetra"
"manome ireo fanjakana"
Izany no anarana Babylonianan izay nomena an'i Daniela. Jereo ny nandikanao io anarana io ao amin'ny 1:6
"ianao no afaka handika izany"
I Nebokadnezara dia nino fa ny herin'i Daniela dia avy amin'ireo andriamanitra tsy izy izay notompoin'i Nebokadnezara. Tsy mitovy amin'ny "ireo masina" ao amin'ny andininy 17 izany. Jereo hoe ahoana no nandikanao io andian-teny io ao amin'ny 4:7
Ireo andininy 19-33 dia mamaritra ny sazin'i Nebokadnezara.
DH: "izay nantsoiko koa hoe Beltesazara"
Ny fahatakaran'i Daniela ny dikan'ny fahitana no nanaitra azy. Afaka lazaina mivantana izany. DH: "tsy niteny na inona na inona nandritra ny fotoana vitsy satria ory tanteraka izy momba ny diakn'ny nofy" (UDB)
Maneho ny firarian-tsoany i Daniela mba tsy homba an'i Nebakadnezara ny nofy, na izany aza dia fantany tsara fa momba ny mpanjaka ny nofy."
Ireo andininy 19-33 dia mamaritra ny sazin'i Nebokadnezara.
Maro amin'ireo voambolana ao anatin'ireo andininy ireo no efa mitovy amin'ny 4:10 Jereo hoe ahoana no nandikanao ireo andininy ireo.
"tena feno"
"izanay hazo izany dia maneho anao, ry mpanjaka"
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy.
Ity andian-teny ity dia mampiasa ny teny hoe "nitombo" toy ny fomba hahafahana miteny fa nitombo ny fahalehibeazan'ny mpanjaka. DH: "Nitombo ny fahalehibeazanao."
Ireo andian-teny ireo dia manitatra fa ny olon-drehetra amin'ny toerana rehetra dia nahalala ny halehibeazan'i Nebokadnezara.
Ireo andininy 19-33 dia mamaritra ny sazin'i Nebokadnezara.
Ity andininy ity dia efa mitovy amin'ny 4:13 sy 4:15. Jereo hoe ahoana no nandikanao ireo andininy ireo.
izany dia faritra amin'ny hazo izay tavela ambonin'ny tany rehefa avy notapahana ilay hazo.
"voahodidin'ny ahitra malemin'ny saha."
hamandoana izay mipetraka amin'ny tany amin'ny maraina.
Ireo andininy 19-33 dia mamaritra ny sazin'i Nebokadnezara.
Maro amin'ireo voambolana ao anatin'ireo andininy ireo no efa mitovy amin'ny 4:15. Jereo hoe ahoana no nandikanao ireo andininy ireo.
"izay renao"
DH: "Hanaisotra anao hiala amin'izy ireo ireo lahilahy"
DH: "Hihinana ahitra ianao."
Ireo andininy 19-33 dia mamaritra ny sazin'i Nebokadnezara.
Eto ny hoe "lanitra" dia ilazana an'Andriamanitra izay monina any an-danitra. DH: "Andriamanitra any an-danitra no mpanapaka ny rehetra"
DH: "mba ekeo ny torohevitro tompoko"
Eto ny mandà heloka dia lazaina toy ny mivily miala amin'iny. DH: "Mandàva ireo helokao"
Io anarana mpamari-toetra io dia ilazana ny olona izay nampahoriana. DH: "ny olona izay nampahoriana"
DH: "Mba hanitatra ny fahombiazanao anie Andriamanitra."
Ireo andininy 19-33 dia mamaritra ny sazin'i Nebokadnezara.
Io fampahafantarana io ao amin'ny 4:28 dia naverina nalamina mba hahamoramora kokoa ny fahatakarana ny dikany.
"12 volana"
Nanontany io fanontaniana io i Nebokadnezara mba hanasongadinana ny voninahitry ny tenany. Azo adika ho foto-kevitra izany. DH: "Ity ilay Babylona lehibe... ho voninahitry ny fahalehibeazako!"
"mba hanehoana amin'ny olona ny voninahitro sy ny fahalehibeazako."
Ireo andininy 19-33 dia mamaritra ny sazin'i Nebokadnezara.
Ny fomba fiteny dia midika fa ny mpanjaka dia mbola teo am-pitenenana. DH: "Raha mbola teo am-pitenenana ny mpanjaka"
"naheno feo avy any an-danitra izy"
DH: "Ry Nebokadnezara mpanjaka, nivoaka hanohitra anao ny didy fa tsy anao intsony ity fanjakana ity"
DH: "Hanenjika anao tsy ho eo amin'izy ireo ny vahoaka."
"na iza na iza safidiany."
Ireo andininy 19-33 dia mamaritra ny sazin'i Nebokadnezara
DH: "Nitranga tampoka izany didy manohitra an'i Nebokadnezara izany"
DH: "Noroahin'ny vahoaka tsy ho eo amin'izy ireo izy."
"niendrika toy ny hohon'ny vorona ny hohon-tanany"
Ao amin'ny andininy 34-37 dia manoritsoritra ny valin-teniny amin'Andriamanitra i Nebokadnezara.
Izany dia ilazana ilay fito taona tao amin'ny 4:31.
DH: "tonga miverina amiko ireo adalàko" na "tonga adala indray aho"
Ireo andian-teny roa ireo dia milaza fihetsika mitovy.
Ireo andian-teny roa ireo dia midika ifotony zavatra mitovy ihany ary nampiasaina mba hampisongadinana ny fiandrianan'Andriamanitra tsy manam-pahataperana. DH: "Hanapaka mandrakizay izy ary ny fanjaka dia tsy hanam-pahataperana."
Ao amin'ny andininy 34-37 dia manoritsoritra ny valin-teniny amin'Andriamanitra i Nebokadnezara.
DH: "Heveriny ho tsiontsinona avokoa ny mponin'ny tany rehetra."
"Ny olona rehetra eto an-tany"
"ireo tafiky ny anjely any an-danitra"
"na inona na inona mahatanteraka tanjony" na "izay zavatra tiany hatao"
Mety hanampy izany raha ampiana antsipirihany misimisy kokoa. DH: "Tsy misy afaka mampijanona azy hanao izay nahatapa-kevitra azy hatao"
Afaka lazaina amin'ny teny nindramina ankolaka izany. DH: "Tsy misy afaka manontany izay ataony"
Ao amin'ny andininy 34-37 dia manoritsoritra ny valin-teniny amin'Andriamanitra i Nebokadnezara.
Eto ny adalany dia lazaina ho tahaka ny hoe afa niverina taminy taminn'y heriny ihany izany. DH: "Tonga adala indray aho."
Eto ny voninahiny sy ny fahalehibeazany dia lazaina ho tahaka ny hoe afaka niverina tamin'ny herin'ny tenan'izy ireo izany. DH: "Nahazo ny voninahitra sy fahalehibeazako indray aho"
"Nangataka ny fanampiako indray ireo lehilahiko mendri-kaja"
Eto ny hoe "seza fiandrianana" dia ilazana ny fahefany hanapaka. DH: "Niverina nanapaka ny fanjakako indray aho, ary noraisiko na dia ny fahalehibeazana bebe koko aza."
Ireo teny telo rehetra ireo dia midika heviny mitovy ifotony ary mampisongadina fa nidera an'Andriamanitra tokoa izy.
Io andian-teny io dia mampiasa hoe "mandeha" mba hilazana ny olona miasa amin'ny avonavona. DH:" izay miavonavona"
1 Nanao fanasana lehibe ho an'ireo tandapa arivo lahy i Belsazara mpanjaka, ary nisotro divay teo anoloan'ireo arivo lahy rehetra izy. 2 Raha nanandrana ilay divay i Belsazara, dia nanome baiko mba hitondrana ny tavoara vita amin'ny volamena na volafotsy izay nalain'i Nebokadnezara rainy tao an-tempoly tao Jerosalema, izay tamin'izany izy, ireo tandapany, ary ireo vadiny sy ny vaditsindranony no nisotro. 3 Naka ireo tavoara volamena izay efa navoaka avy tao an-tempoly, tranon'Andriamanitra, tao Jerosalema ireo mpanompo. Ary tamin'ireo no nisotroan'ny mpanjaka, ireo tandapany, ary ireo vadiny sy ireo vaditsindranony. 4 Nisotro divay izy ireo ary nidera ireo sampin'izy ireo izay vita tamin'ny volamena sy volafotsy, varahina, vy, hazo, ary vato. 5 Tamin'izany fotoana izany dia nisy rantsan-tanan'olona niseho teo anoloan'ny fitoeran-jiro ary nanoratra teo amin'ny rindrina voalalotra tao an-dapan'ny mpanjaka. Nahita ny ampahan'ilay tanana ny mpanjaka raha nanoratra izany. 6 Dia niova ny endriky ny mpanjaka ary nampatahotra azy ny eritreriny; tsy nahazaka azy ny tongony, ary niady ny lohaliny. 7 Niantso mafy ny komandiny ny mpanjaka mba hampiditra ireo izay nilaza fa miresaka amin'ny maty, olona marani-tsaina, ary ireo mpanandro. Niteny tamin'ireo fantatra tamin'ny fahendreny tao Babylona ny mpanjaka hoe: "Na iza na iza manazava io soratra io sy ny dikany dia hampitafiana volomparasy izay ary hanana rojo volamena eo am-bozony. Hanana ny fahefan'ny mpanapaka fahatelo ambony indrindra ao amin'ny fanjakana izy." 8 Ary dia niditra ireo lehilahin'ny mpanjaka izay fantatra noho ny fahendreny, kanefa tsy nahavita namaky ilay soratra na nanazava ny dikany tamin'ny mpanjaka izy ireo. 9 Taitra mafy i Belsazara mpanjaka ary niova ny endriky ny tavany. Very hevitra ireo tandapany. 10 Ary niditra tao amin'ny trano fanasana ny mpanjaka vavy nohon'ny zavatra notenenin'ny mpanjaka sy ireo tandapany. Dia hoy ny mpanjaka vavy hoe: "Ho ela velona anie ny mpanjaka! Aza avela hanakorontana anao ny eritreritrao. Aza avela hiova ny endriky ny tavanao. 11 Misy lehilahy izay manana ny fanahin'ireo andriamanitra masina eto amin'ny fanjakanao. Tamin'ny andron'ny rainao, dia hita tao aminy ny fahazavana sy ny fahazavan-tsaina ary fahendrena tahaka ny fahendren'ireo andriamanitra. Nebokadnezara mpanjaka, mpanjaka rainao, nanao azy ho lehiben'ireo ombiasy, ary lehiben'ireo miresaka amin'ny maty, sy an'ireo olona marani-tsaina, ary an'ireo mpanandro. 12 Fanahy tsara dia tsara, fahalalana, fahazavan-tsaina, fandikana nofy, fanazavana teny sarotra ary famahana olana_ireo hatsarana ireo dia hita tao amin'izany lehilahy Daniela izany, izay nantsoin'ny mpanjaka hoe Beltesazara. Koa ankehitriny mampiantsoa an'i Daniela dia holazainy aminao ny dikan'izay voasoratra." 13 Ary dia nentina teo anatrehan'ny mpanjaka i Daniela. Hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Ianao izany Daniela izany, iray amin'ireo vahoaka sesin-tanin'i Joda, izay nentin'ny raiko niala tao Joda. 14 Efa reko ny momba anao, fa ao aminao ny fanahin'ireo andriamanitra, ary ny hazavana sy fahazavan-tsaina ary fahendrena tsara dia tsara dia hita ao aminao. 15 Efa nampidirina teo anoloako mba hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny dikany ireo lehilahy fantatra amin'ny fahendrena sy ireo izay miresaka amin'ny maty, kanefa tsy nahavita nampahafantatra ny dikan'izany izy ireo. 16 Efa nahare aho fa afaka manome fandikana sy mamaha olana ianao. Koa raha hainao ny mamaky ilay soratra ary milaza amiko ny dikany, dia hampitafiana volomparasy ianao ary hasiana rojo volamena eo am-bozonanao, ary hahazo ny fahefana mpanapaka fahatelo avo indrindra eto amin'ny fanjakana ianao." 17 Dia namaly teo anoloan'ny mpanjaka i Daniela hoe: "Aoka ho anao ihany ny fanomezanao, ary omeo olon-kafa ny valisoanao. Na dia izany aza, dia hovakiko aminao ny soratra, ry mpanjaka, ary holazaiko aminao ny heviny. 18 Ny aminao, ry mpanjaka, ny Andriamanitra Avo Indrindra nanome an'i Nebokadnezara rainao ny fanjakana, ny fahalehibiazana, haja, sy voninahitra. 19 Nohon'ny fahalehibeazana nomen'Andriamanitra azy, dia nangovitra sy natahotra azy ny vahoaka rehetra, ny firenena, ary ny fiteny samihafa. Namono izay tiany hovonoina izy, ary namela ho velona izay tiany ho velona. Nasandrany izay tiany, ary naetriny izay niriany haetry. 20 Fa rehefa niavonavona ny fony ary nihamafy ny fanahiny mba hanaovany zavatra sahisahy, dia nesorina teo amin'ny seza fiandrianana maha mpanjaka azy izy, ary nesorin'izy ireo ny voninahiny. 21 Noroahina tamin'ny olombelona izy, nanana saim-biby izy, ary niara-niaina tamin'ireo borikidia izy. Nihinan'ahitra tahaka ny omby izy. Kotsan'ny andon'ny lanitra ny vatany mandra-pahafantarany fa ny Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka eo amin'ny fanjakan'ny vahoaka ary manendry izay tiany hapetraka eo amin'izany Izy. 22 Ianao zanany lahy, ry Belsazara, dia tsy nanetry ny fonao, na dia nahafantatra izany rehetra izany aza ianao. 23 Efa nanandra-tena hanohitra ny Tompon'ny lanitra ianao. Avy tao an-tranony no nitondranao ireo tavoara izay nisotroanao, ireo tandapanao, ireo vady sy ireo vaditsindranonao, ary nanompo ireo sampy vita tamin'ny volafotsy sy volamena, varahina, vy, hazo, ary vato—sampy izay tsy mahita, mandre, na mahalala na inona na inona ianao. Tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izay mitazona ny fofon'ainao eo am-pelatanany sy mahalala ny lalanao rehetra ianao. 24 Ary Andriamanitra nandefa tanana avy amin'ny fanatrehany ka vita izao soratra izao. 25 Ny teny voasoratra dia izao: 'Mene, Mene, Tekela, ary Oparesina.' 26 Izao no heviny: 'Mene,' 'Voaisan'Andriamanitra ny nanjakanao ary nitondra izany ho amin'ny fiafarana Izy.' 27 'Tekela,' 'Lanjaina eo amin'ny mizàna ianao ary hita fa latsa-danja.' 28 'Peresa,' 'Zaraina sy omena ho an'ireo Mediana sy ireo Persiana ny fanjakanao.'" 29 Dia nanome baiko i Belsazara, ary nampiakanjo volomparasy an'i Daniela izy ireo. Natao teo am-bozony ny rojo volamena, ary nanao fanambarana momba azy ny hahazoany ny fahefana mpanapaka fahatelo avo indrindra teo amin'ny fanjakana ny mpanjaka. 30 Tamin'iny alina iny, dia maty i Belsazara, mpanjakan'ny Babyloniana, 31 ary i Dariosy ilay Mediana no nandray ny fanjakana raha teo ho eo amin'ny roa amby enipolo taona izy.
Io no zanaka lahin'i Nebokadnezara izay tonga mpanjaka taorian'ny rainy.
"ho an'ireo 1 000"
"nisotro divay teo anatrehan'ny"
DH: "ny tavoara volamena na volafotsy izay nataon'ireo Israelita"
Ireo dia kapoaka ary zavatra hafa izay kely fa ampy horaisin'ny olona sy hisotroana.
Io andian-teny io dia mampiasa ny anaran'i Nebokadnezara mba hilazana ny tafiky ny mpanjaka. DH: "Nalain'ny tafik'i Nebokadnezara rainy"
DH: "ireo tavoara volamena izay navoakan'ny tafik'i Nebokadnezara tao an-tempoly"
"avy tao an-tempolin'Andriamanitra". Ny andian-teny hoe "tranon'Andriamanitra" dia manambara amintsika bebe kokoa momba ny tempoly.
"Vao nanao izany izy ireo" na "tampoka" (UDB)
simenitra na fotaka izay aparitaka amin'ny rindrina na valin-drihana mba hanome velarana mafy malama rehefa maina izany
"lasa hatsatra ny tarehiny" (UDB). Noho ny tahotra no nahatonga izany.
"ireo ranjony"
Vokatry ny tahotra fara-tampony izany.
Izany dia ilazana indray an'ireo milaza ho miresaka amin'ny maty, ireo lehilahy hendry, ary ireo mpanandro
DH: "Hanome akanjo volomparasy sy rojo volamena ho an'iza na iza manazava ity soratra ity sy ny dikan'izany aho."
Vitsy ny akanjo volomparasy ary natokana ho an'ny tandapa manam-pahefana. DH: "miakanjo fitafian'ny tandapa"
"ny mpanapaka laharana fahatelo"
Io no zanaka lahin'i Nebokadnezara izay tonga mpanjaka taorian'ny rainy. Jereo hoe ahoana no nanoratanao ny anarany ao amin'ny 5:1
"tonga hatsatra kokoa ihany ny tavany." Ny tavan'ny mpanjaka dia nihahatsatra kokoa hatrany noho ny tao amin'ny 5:5
"Nikorotan-tsaina"
Ny dikan-teny vaovao sasany dia mahatakatra izany ho fakàna ohatra ny renin'ny mpanjakavavy, izany hoe, ny renin'ny mpanjaka. Ny renin'ny mpanjakavavy dia mandray voninahitra bebe kokoa teo amin'ny Babylona fahiny.
Izany dia fomba ara-dalàna hiarahabana ny mpanjaka.
"tsy misy antony tokony hahatonga ny tavanao ho hatsatra."
Ny mpanjaka vavy dia nino fa ny herin'i Davida dia avy tamin'ireo andriamanitra tsy izy izay notompoin'i Nebokadnezara. Jereo hoe ahoana no nandikanao io andian-teny io ao amin'ny 4:7
"Raha nanjaka ny rainao"
DH: "Nanana fahazavana sy fahazavan-tsaina ary fahendrena tahaka ny fahendren'ireo andriamanitra izy"
"Ny rainao, Nebokadnezara mpanjaka"
DH: "Io Daniela io ihany, izay nantsoin'ny mpanjaka hoe Beltesazara, no nanana ireo hatsarana rehetra ireo"
"izay voasoratraa eo amin'ny rindrina." DH: "izay nosoran-tanana teo amin'ny rindrina"
DH: "Ary nentin'izy ireo teo anolohan'ny mpanjaka i Daniela" na "Ary dia nentin'ireo miaramila teo anolohan'ny mpanjaka i Daniela"
Amin'ity andian-teny ity dia ny hoe "ray" dia nampiasaina hilazana ireo miaramila rehetra. DH: "izay nentin'ireo miaramilan'ny raiko nivoaka avy tany Joda"
I Beltesazara dia nino fa ny herin'i Davida dia avy tamin'ireo andriamanitra tsy izy izay notompoin'i Nebokadnezara. Jereo hoe ahoana no nandikanao io andian-teny io ao amin'ny 4:7
DH: "manana fahazavana sy fahazavan-tsaina ary fahendrena tena tsara ianao"
DH: "Ary ireo lehilahy fantatra... tonga teto alohako"
"hilaza amiko"
DH: "Hanome akanjo volopmarasy sy rojo volamena anao aho"
Ny akanjo volomparasy dia vitsy ary natokana ho an'ny tandapa manam-pahefana. DH: "hampitafiana akanjom-piandrianana."
"ny mpanapaka laharana fahatelo"
"Tsy tiako ireo fanomezanao, ka"
Io andian-teny io dia mampiasa ny hoe "rehetra" tahaka ny filazana ankapobeny fa maneho isa be dia be. DH: "Vahoaka, firenen-tsamihafaa ry fiteny maro an'isa"
Eto ny hoe "firenena" sy "fiteny" dia maneho vahoaka avy any amin'ny firenen-tsamihafa izay miteny fiteny samihafa. Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 3:3. DH: "vahoaka avy any amin'ny firenen-tsamihafa sy izay miteny fiteny samihafa"
Ireo andian-teny ireo dia midika ifotony zavatra mitovy ary mampisongadina ny hamafisan'ny tahotra. DH: "natahotra mafy azy"
Io andian-teny io dia tsy midika hoe i Nebokadnezara mihitsy no namono ny vahoaka, fa kosa izy no nandidy. DH: "Nandidy ireo miaramilany hamono ireo izay tiany hovonoina i Nebokadnezara."
"Nasandrany izay tiany hisandratra"
Ireo teny ireo eto dia midika zavatra mitovy.
Eto ny hoe "fo" dia ilazana ny mpanjaka ihany. DH: "niavonavona ny mpanjaka"
Eto ny hoe "fanahy" dia ilazana ny mpanjaka ihany. Ny hamafisan-dohany dia nilazana fa mafy fo izy. DH: "Lasa mafy loha ny mpanjaka"
henjana sy matoky loatra.
Eto ny hoe "seza fiandrianana" dia ilazana ny fahefany manapaka. DH: "Nanaisotra ny fanjakany ny vahoaka"
DH: "Nandroaka azy hiala tamin'izy ireo ny vahoaka"
Eto ny hoe "saina" dia maneho ny eritreriny. DH: "Nieritreritra tahaka ny fieritreritry ny biby izy."
Hamandoana amin'ny tany izay hita amin'ny maraina.
"na zovy na zovy safidiany"
Izy no zanak'i Nebokadnezara izay tonga mpanjaka taorian'ny rainy. Jereo hoe ahoana no nanoratanao io anarana io ao amin'ny 5:1
Eto ny hoe "fo" dia milaza an'i Belsazara ihany. DH: "tsy nanetry ny tenanao"
Ny mikomy amin'Andriamanitra dia lazaina ho toy ny manandratra ny tena hanohitra Azy. DH: "Nikomy nanohitra ny Tompo ianao"
Na inona na aiza ny hoe "tranony" dia azo lazaina mazava tsara. DH: "Avy amin'ny tempoliny ao Jerosalema."
Eto ny hoe "fofon'aina" dia ilazana ny aina ary ny hoe "tanana" dia ilazana ny hery sy fandraisana an-tanana. DH: "Andriamanitra izay nanome anao fofon'Aina" na "Andriamanitra izay mandray an-tanana ny fiainanao manontolo"
"izay rehtra ataonao"
DH: "Nanoratra izao hafatra izao izany"
DH: "Ity no hafatra izay nosoratan-tanana"
Ireo no teny Syriana izay voasoratra teo amin'ny rindrina. Tonony amin'ny feo izay mifanaraka amin'ny fiteninao ireo teny ireo.
"'Mene' dia midika hoe 'Voaisan'Andriamanitra"
"Tekela' dia midika hoe "voalanja ianao"
"Peresa' dia midika hoe 'fanjakanao"
Izany no endrika manambara iray ny "Oparesina" ao amin'ny 5:25
Ny fitsarana ny fahamendrehan'ny mpanjaka hanapaka dia lazaina tahaka ny mandanja azy. Midika izany fa tsy mendrika ny hanapaka ny mpanjaka. DH: "Nanadihady ny fahamendrehanao hanapaka Andriamanitra, ary hitany fa tsy mendrika ianao."
DH: "Nozarain'Andriamanitra ny fanjakanao ka nomeny ny Mediana sy ny Persiana izany."
Izy no zanak'i Nebokadnezara izay tonga mpanjaka taorian'ny rainy. Jereo hoe ahoana no nanoratanao io anarana io ao amin'ny 5:1
DH: "Nanao rojo volamena teo am-bozony izy ireo"
"ny mpanapaka laharana fahatelo"
"lasa mpanapaka ny fanjakana"
roa taona -"raha teo amin'ny 62 taona teo izy"
1 Nahafaly an'i Dariosa ny nanendry governora 120 isam-paritany nanerana ny fanjakana izay hanapaka manerana ny fanjakana rehetra. 2 Nisy komandy lehibe telo teo amin'izy ireo, ary iray tamin'ireo i Daniela. Ireo komandy lehibe ireo dia voatendry mba hanara-maso ireo governora isam-paritra, mba tsy ho faty antoka ny mpanjaka. 3 Niavaka ambonin'ireo komandy lehibe hafa sy ireo governora isam-paritra i Daniela satria nanana fanahy miavaka izy. Nanao drafitra ny hametraka azy manerana ny fanjakana rehetra ny mpanjaka. 4 Avy eo ireo mpitan-draharaha lehibe hafa sy ireo governora isam-paritany nitady hadisoana tamin'ny asa nataon'i Davida ho an'ny fanjakana, saingy tsy nahita kolikoly na tsy fahombiazana tamin'ny asany izy ireo satria nahatoky izy. Tsy nisy fahadisoana na tsirambina hita taminy. 5 Dia hoy ireo lehilahy ireo hoe: "Tsy mahita antony tokony hitarainana ity Daniela ity izahay raha tsy hoe mahita zavatra manohitra azy araka ny lalàn'ny Andriamaniny izahay." 6 Dia nitondra tetika teo anoloan'ny mpanjaka ireo mpitan-draharaha sy governora. Hoy izy ireo taminy hoe: "Ry Dariosa mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao! 7 Ireo mpitan-draharaha lehibe rehetra tao amin'ny fanjakana, ireo governora isam-paritra, sy ireo governora isam-paritany, ireo mpanolotsaina, ary ireo governora dia niara-nifampidinika ary nanapa-kevitra fa ianao, mpanjaka, dia tokony hamoaka didy ary hanamafy izany, ka na iza na iza manao fanangonan-tsonia amin'ny andriamanitra rehetra na olombelona mandritra ny telopolo andro, ankoatra anao, ry mpanjaka, dia tsy maintsy hatsipy ao an-davaky ny liona izany olona izany. 8 Ankehitriny, ry mpanjaka, mamoaha didy ary soniavo ny taratasy mba tsy hanovàna izany, araka ny voatondron'ny lalàn'ny Mediana sy Persiana, ka tsy afaka foanana izany." 9 Koa dia nosoniavin'i Dariosa mpanjaka ny taratasy namadihana ilay didy ho lalàna. 10 Rehefa fantatr'i Daniela fa voasonia ho lalàna ilay taratasy, dia nandeha tany an-tranony izy (ary nisokatra ireo varavarakeliny tany amin'ny efitra ambony nifanandrify tamin'i Jerosalema), ary nandohalika izy, toy ny fanaony in-telo anatin'ny iray andro, ary nivavaka sy nisaotra nanoloana ny Andriamaniny izy, toy ny efa nataony tany aloha. 11 Avy eo ireo lehilahy izay niara-nanao teti-dratsy ireo nahita an'i Daniela nanao fangatahana sy nitady fanampiana avy amin'Andriamanitra. 12 Avy eo izy ireo nanatona ny mpanjaka ary niresaka taminy momban'ny didiny hoe: "Moa tsy nanao didy ve ianao fa izay rehetra manao sonia amin'ny andriamanitra rehetra na olombelona mandritra ny telopolo andro manaraka, ankoatra anao, ry mpanjaka, dia tsy maintsy atsipy ao an-davaky ny liona?" Namaly ny mpanjaka hoe: "Voapetraka ny raharaha, araky ny voatondron'ny lalàn'ny Mediana sy Persiana; tsy afaka foanana izany." 13 Dia namaly ny mpanjaka izy ireo hoe: "Izany Daniela izany, izay iray amin'ireo olona avy an-tsesi-tany tany Joda, dia tsy miraharaha anao, ry mpanjaka, na ny didy izay nosoniavinao. Mivavaka amin'ny Andriamaniny in-telo izy ao anatin'ny iray andro." 14 Rehefa nandre izany ny mpanjaka, dia nalahelo mafy izy, ary nandefa fisainana ny hanavotra an'i Daniela amin'ny fanapahany. Niasa mandra-podin'ny masoandro izy mba hiezaka hanavotra an'i Daniela. 15 Avy eo ireo lehilahy izay nanao teti-dratsy ireo niangona niaraka tamin'ny mpanjaka ary nanao taminy hoe: "Fantaro, ry mpanjaka, fa lalàn'ny Midiana sy Persiana izany, ary tsy afaka ovaina ny lalàna na didy izay nataon'ny mpanjaka." 16 Dia nanome baiko ny mpanjaka, ary nentin'izy ireo niditra Daniela, ka natsipin'izy ireo tao an-davaky ny liona izy. Hoy ny mpanjaka tamin'i Daniela hoe: "Hanavotra anao anie, ny Andriamanitrao, izay tompoinao mandrakariva." 17 Nisy vato nentina teo amin'ny fidirana mankany amin'ilay lavaka, ary nanisy tombo-kase izany tamin'ny perany ny mpanjaka sy tamin'ireo peratra fanombohan-kasen'ireo manan-kajany mba tsy hisy hiova ny mahakasika an'i Daniela izy. 18 Avy eo nandeha tany amin'ny lapany ny mpanjaka ary nandia ny alina nifady hanina. Tsy nisy fialam-boly nentina teo anoloany, ary lasa ny torimasony. 19 Avy eo vao mangiran-dratsy dia nitsangana ny mpanjaka ary nandeha faingana tany an-davaky ny liona. 20 Raha nanakaiky ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo, nanao tamin'i Daniela hoe: "Ry Daniela, mpanompon'ilay Andriamanitra velona, moa tsy afaka nanavotra anao tamin'ireo liona ny Andriamanitrao, izay tompoinao mandrakariva?" 21 Dia hoy Daniela tamin'ny mpanjaka hoe: 22 "Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao! Efa nandefa ny mpitondra hafany Andriamanitra ary nanakatona ny vavan'ny liona, ary tsy nandratra ahy izy ireo. Fa tsy misy tsiny teo anatrehany aho sy teo anoloanao ihany koa, ry mpanjaka, ary tsy nanao ratsy anao aho." 23 Avy eo dia faly tanteraka ny mpanjaka. Nanome baiko ny hampakaran'izy ireo an'i Daniela avy ao an-davaka izy. Noho izany dia nampiakarina avy tao an-davaka Daniela. Tsy nisy ratra hita taminy, satria nahatoky ny Andriamaniny izy. 24 Nanome baiko ny mpanjaka, ary nentiny ireo lehilahy izay niampanga an'i Daniela ireo ary natsipin'izy ireo tao an-davaky ny liona—izy ireo sy ny zanak'izy ireo, ary ny vadin'izy ireo. Mialohan'ny nahatongavan'izy ireo tamin'ny tany, dia nandresy azy ireo ny liona ary namotika ny taolana rehetran'izy ireo. 25 Avy eo Dariosa mpanjaka nanoratra tamin'ny olona rehetra, ireo firenena, ary ireo fiteny izay misy eto an-tany rehetra hoe: "Hampitomboina aminao anie ny fiadanana. 26 Izao aho dia manao didy fa amin'ny fanapahana rehetra amin'ny fanjakako dia mangovitra sy matahotra eo anatrehan'i Andriamanitr'i Daniela ny olona, satria Izy no Andriamanitra velona sy miaina mandrakizay, ary ny fanjakany dia tokony tsy ho ravaina; ny fanapahany dia tokony ho hatramin'ny farany. 27 Miaro antsika sy manavotra antsika Izy, ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy eto an-tany Izy; niaro an'i Daniela ho avotra tamin'ny herin'ireo liona Izy." 28 Noho izany dia nambinina nandritra ny fitondran'i Dariosa sy nandritra ny fitondran'i Kyrosy ilay Persiana i Daniela.
Ny zava-niseho amin'ity toko ity dia nipetraka taorian'ny nambaboan'ireo Persiana ireo Babyloniana ery i Dariosa ilay Mede no nanomboka nitondra tao Babylona.
"Nanapa-kevitra i Dariosa mpanjaka"
"governora isam-paritany roapolo amby zato"
Ny teny hoe "izy ireo" dia ilazana ny governora 120.
"mba tsy hampisy na inona na inona hangalarina amin'ny mpanjaka" na "mba tsy hisy na iza na iza te hangalatra amin'ny mpanjaka"
"Mihoatra ambony" na "mahefa bebe kokoa noho ny"
Eto ny hoe "fanahy" dia ilazana an'i Daniela. Midika izany fa manana fahaiza-manao tsy mahazatra izany izy. DH: "olona niavaka izy"
"mahavariana" na "tsara"
"mba hanome azy fahefana amin'ny" na "mba hametraka azy ho tompon'andraikitra amin'ny"
Ireo mandrindra hafa dia nialona an'i Daniela. DH: "Avy eo ireo lehiben'ny mpandrindra hafa sy ny governora isam-paritany dia tonga nialona. Ka nitady hadisoana tamin'ny asan'i Davida ho an'ny fanjakana izy ireo"
DH: "Tsy afaka nahita fahadisoana na tsirambina tamin'ny asany izy ireo."
mijery loatra ireo andraikitrao
"hitaraina momba an'i Daniela"
"nampiseho drafitra tamin'ny mpanjaka"
Fomba ara-dalàna hiarahabana mpanjaka izany.
"mandritra ny 30 andro"
"na iza na iza manao fangatahana"
DH: "Tsy maintsy hanipy izany olona izany ao an-davaky ny liona ireo miaramilanao"
Ilazana ny trano na lavaka izay nitehirizana liona izany.
Ao amin'ny andininy 8, ireo mpandrindra dia mitohy miresaka amin'ny mpanjaka.
"araka ny lalàna"
"tsy mety foanana"
"namadika ny baiko ho lalàna"
Zava-dehibe eo amin'ny tantara izany mba hanambarana mazava fa nahalala momba ny lalàna vaovao i Daniela talohan'ny nivavahany tamin'Andriamanitra.
Izany dia fampahafantarana fototra izay manazava ny nahafantaran'ny fahavalon'i Daniela fa nivavaka tamin'Andriamanitra izy.
"nisaotra an'Andriamaniny"
drafitra misy fikasan-dratsy
Nanontany io izy ireo mba hampiaiky ny mpanjaka fa nanao ny didy ny mpanjaka.
"izay manao fangatahana"
Izany dia ilazana ny efitra na lavaka izay itehirizana ireo liona. Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 6:6
"araky ny lalàna"
Fomba tsy mihaja ilazana an'i Daniela izany. Nanao fanahy iniana ny hampiasa io andian-teny io izy ireo mba hisoroany ny fanomezana haja an'i Daniela izay tokony ho azy amin'ny maha lehiben'ny mpandrindra azy.
"izay mpifindra monina avy any Joda"
Fomba fiteny midika fa nanao tsinontsinona ny mpanjaka izany. DH: "tsy nankatò anao"
Eto ny hoe "fisainana" dia milaza ny eritreriny. DH: "nieritreritra mafy tokoa izy momban'ny"
Milaza ny asa saina izany, toy izay ny asa vatana.
Raha misy fehezanteny fanampiny dia mety hanampy amin'ny fahatakarana eto. DH: "tsy misy didy... azo ovaina. Tsy maintsy manipy an'i Daniela any an-davaky ny liona izy ireo"
"Nandeha ireo miaramilany ary nahazo an'i Daniela"
Ilazana ny trano na lavaka izay nitehirizana liona izany.
Nampiseho ny faniriany tamin'Andriamanitra mba hanavotra an'i Daniela ny mpanjaka.
"Hanavotra anao amin'ny liona"
Ilazana efitra na lavaka izay nitehirizana liona izany. Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 6:6
Ny asan'ny peratra fanombohan-kase dia afaka lazaina mazava tsara. Ny mpanjaka sy ny manan-kaja dia nanindry ireo perany tamin'ny tombo-kase natao tamin'ny savoka. DH: "Nanindry ny peratra fanombohan-kaseny tamin'ny tombo-kase savoka ny mpanjaka, nanao izany ihany koa ireo manan-kaja. Tsy misy izay navelahamaky ny tombo-kase ka hanavotra an'i Daniela"
"tsy misy afaka hanampy an'i Daniela"
Io fihetsika an'ohatra io dia mampiseho fa ny mpanjaka dia nalahelo an'i Daniela.
DH: "Tsy nanana an'iza na iza nampiala voly azy izy"
Ny torimaso dia lazaina fa tahaka ny afaka nandositra ny mpanjaka izany. DH: "tsy natory nandritra ny alina manontolo izy"
Ilazana efitra na lavaka izay nitehirizana liona izany. Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 6:6
DH: "Fantany fa tsy nanao zavatra diso aho" (UDB)
"tsy nandratra anao tamin'ny rehetra aho"
Ilazana efitra na lavaka izay nitehirizana liona izany. Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 6:6
DH: "Tsy nahita ratra tamin'i Daniela izy ireo"
Ilazana efitra na lavaka izay nitehirizana liona izany. Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 6:6
"Mialohan'ny nahatongavan'izy ireo tamin'ny tanin'ny lavaky ny liona"
"nanapaka ny taolan'izy ireo" (UDB)
Eto ny hoe "firenena" sy ny "fiteny" dia maneho ny olona avy any ami'nny firenen-tsamihafa izay miteny amin'ny fiteny samy hafa. Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 3:3. DH: "olona avy any amin'ny firenena samihafa sy miteny amin'ny fiteny samy hafa"
I Dariosa mpanjaka dia nanoratra ny hafany ho an'ny fanjakany manontola izay tena midadasika. Eto dia milaza izany hoe "ny tany rehetra" mba hampisongadinana ny fivelaran'ny fanjakany, na dia tsy ahitana ny olon-drehetra eran-tany aza.
Ity dia endrim-piarahabana izay nampiasaina mba hirariana soa olona amin'ny lafi-piainany rehetra.
Manohy ny filazana ny hafatra izay nalefan'i Dariosa ho an'ny olon-drehetra amin'ny fanjakany ity.
Ireo teny roa ireo dia mitovitovy ary azo akambana. DH: "Nihozongozona tamin'ny tahotra"
"ny Andriamanitra izay notompoin'i Daniela" (UDB)
Ireo andian-teny roa "Andriamanitra velona" sy "miaina mandrakizay" dia manambara foto-kevitra mitovy ihany, hoe Andriamanitra dia miaina mandrakizay.
Ireo andian-teny roa ireo dia mifanindran-dalana, manasongadina ny tsy fahataperan'ny fanjakan'Andriamanitra mandrakizay.
DH: "Tsy misy na iza na iza hamotika ny fanjakany" na "haharitra mandrakizay ny fanjakany"
"hanapaka mandrakizay izy"
"tsy namela ireo liona matanjaka handratra an'i Daniela Izy"
Kyrosy ilay Persiana no mpanjaka izay nitondra taorian'i Dariosa.
1 Tamin'ny voalohan-taonan'i Belsazara mpanjakan'i Babylonia, dia nanofy sy nahazo fahitana tao an-tsainy i Daniela raha nandry teo amin'ny fandriany izy. Avy eo dia nanoratra izay hitany tao amin'ny nofiny izy. Nanoratra ireo tranga manan-danja indrindra izy: 2 Nanazava i Daniela hoe: "Tao anatin'ilay fahitako tamin'ny alina dia nahita ireo rivotra efatry ny lanitra aho ka nampihetsika ny ranomasim-be. 3 Biby lehibe efatra, samihafa karazana avy, no niakatra avy tao amin'ny ranomasina. 4 Ilay voalohany dia tahaka ny liona fa manana elatra voromahery. Raha nijery aho, rovitra ireo elany ary miainga amin'ny tany izany ka mitsangana amin'ny tongotra roa, tahaka ny olona. Nomena izany ny fisainan'ny olona. 5 Avy eo dia nisy biby faharoa, tahaka ny bera, ary niondrika izany; nanana taolan-tehezana telo eo anelanelan'ny nifiny sy ny vavany izany. Notenenina izany hoe: 'Mifohaza ary mandrapaha olona maro.' 6 Taorian'izany dia nijery indray aho. Nisy biby iray hafa, iray izay miendrika tahaka ny leoparda. Teo an-damosin'izany dia nisy elatra efatra tahaka ny elatry ny vorona, ary nanana loha efatra izany. Nomena fahefana hanapaka izany. 7 Taorian'izay dia nahita biby fahefatra tao anatin'ilay nofiko tamin'ny alina aho, nampihorohoro, nampitahotra, ary tena natanjaka. Nanana nify vy lehibe izy; nandrapaka izany, namotipotika, ary nanitsakitsaka izay tavela amin'ny tongotra. Izany dia tsy nitovy amin'ireo biby hafa, ary nanana tandroka folo izy. 8 Raha nandinika ireo tandroka aho, dia nijery ary nahita tandroka hafa maniry eo amin'izany, tandroka kely iray. Ny telo amin'ireo tandroka voalohany dia nivoaka tamin'ny fakany. Nahita maso tahaka ny mason'olona tao anatin'io tandroka io aho ary vava izay nirehareha momba ireo zavatra lehibe. 9 Raha nijery aho, dia nipetraka tamin'ny toerany ireo seza fiandrianana, ary ireo Andro Fahagola no naka ny fitoerany. Fotsy tahaka ny oram-panala ny akanjony, ary ny volon-dohany dia tahaka ny volon'ondry tsy mifangaro. Lelan'afo no seza fiandrianany, ary ireo kodiany dia afo mirehitra. 10 Nikoriana nivoaka avy teo anoloany ny loharanon'afo; an-tapitrisany no nanompo azy, ary zato tapitrisa no nitsangana eo anatrehany. Nivory ny fitsarana, ary nisokatra ireo boky. 11 Mbola nijery hatrany aho nohon'ny fireharehan'ireo teny nolazain'ireo tandroka. Nijery aho raha iny mbola novonoina iny ilay biby, ary nosimbaina ny vatany, ka natolotra mba ho dorana izany. 12 Ary ny sisa tamin'ireo biby efatra, dia nalàna ny fahefan'izy ireo hanapaka, kanefa nalavaina ny fehim-potoana hiainan'izy ireo. 13 Tao anatin'ilay fahitako io alina io, dia nahita olona iray tonga niaraka tamin'ireo rahon'ny lanitra tahaka ny zanak'olona aho; tonga teo amin'ireo Andro Fahagola izy ary naseho teo anatrehany. 14 Nomena azy ny fahefana hanapaka sy voninahitra ary hery fiandrianana mba hanompo azy ireo olona rehetra, ireo firenena, ary ireo fiteny isan-karazany. Ny fahefany hanapaka dia fahefana mandrakizay izay tsy ho levona, ary ny fanjakany dia ilay tsy ho rava mandrakizay. 15 Raha ny amiko, Daniela, dia malahelo ato anatiko ny fanahiko, ary ireo fahitana izay hitako tao an-tsaiko dia mampangovitra ahy. 16 Nanatona ny iray tamin'ireo nitsangana tany aho ary nangataka taminy mba hampisehoany ahy ny dikan'ireo zavatra ireo. 17 Ireo biby lehibe ireo, efatra raha isaina, dia mpanjaka efatra izay hisandratra avy amin'ny tany. 18 Fa ireo olomasin'ilay Avo Indrindra dia handray fanjakana, ary hanana izany ho fananana mandrakizay doria izy ireo.' 19 Ary te hahafantatra bebe kokoa momba ilay biby fahefatra aho—tena hafa tokoa amin'ireo hafa izany ary tena mampiori-koditra tokoa amin'ilay nifiny vy sy ireo hoho varahina; mandrapaka izany, mamotipotika, ary manitsakitsaka amin'ny tongony izay tavela. 20 Te-hahafantatra momba ireo tandroka folo eo an-dohany aho, ary momba ilay tandroka hafa izay nitombo, ary nisy tandroka telo potraka teo alohany. Te-hahafantatra momba ilay tandroka izay mana-maso ary momba ilay vava izay mirehareha momba ireo zavatra lehibe aho ary toa lehibe mihoatra noho ireo namany izany. 21 Raha nijery aho, io tandroka io dia mikarama an'ady manohitra ireo olomasina ary naharesy azy ireo 22 mandra-pihavian'ireo Andro Fahagola, ary ny fahamarinana dia nomena ireo olomasin'ilay Avo Indrindra. Avy eo dia tonga ny fotoana rehefa nandray ny fanjakana ireo olomasina. 23 Izao no nolazain'ilay olona: 'Raha ny amin'ilay biby fahefatra, ho fanjakana fahefatra amin'ny tany izay ho hafa amin'ireo fanjakana hafa rehetra izany. Handrapaka ny tany iray manontolo izany, hanitsaka sy handrava azy ho potipotiny. 24 Raha ny amin'ireo tandroka folo, mpanjaka folo no hisandratra avy amin'io fanjakana io, ary iray hafa no hisandratra aorian'izy ireo. Ho hafa amin'ireo teo aloha izany, ary handresy ireo mpanjaka telo izy. 25 Hilaza teny manohitra an'ilay Avo Indrindra izy ary hampahory ireo olomasin'Andriamanitra Avo Indrindra. Hiezaka hanova ireo fankalazana sy ireo lalàna izy. Ireo zavatra ireo dia homena eo an-tanany mandritra herin-taona, roa taona, ary tapa-taona. 26 Fa hivory ny fitsarana, ka haka ny herin'ny fiandrianana mba ho simba sy ho rava any amin'ny farany izy ireo. 27 Ny fanjakana sy ny fanapahana, ary ny halehibiazan'ny fanjakana eo ambanin'ny lanitra manontolo, dia homena ireo olona izay an'ireo olomasin'ilay Avo Indrindra. Ny fanjakany dia fanjakana maharitra mandrakizay, ary ireo fanjakana hafa rehetra dia hanompo sy hankato azy.' 28 Inty no faran'ny tranga. Raha ny amiko, Daniela, nanaitra ahy tanteraka ireo eritreritro ary niova endrika ny tavako. Fa notazomiko ho ahy irery ireo zavatra ireo."
Ny toko faha 7 sy faha 8 dia tsy manaraka ny fizotry ny totoana. Nitranga izany tamin'i Belsazara mbola mpanjaka, talohan'ny nitondran'i Dariosa sy Kyrosy izay noresahana tao amin'ny toko faha 6.
Tamin'ny fahitan'i Daniela, dia nahita biby izay nanondro zavatra hafa izy. Taorian'ny fahitana dia nisy olona nanazava ireo famantarana ireo.
Io no anaran'ny zaka lahin'i Nebokadnezara izay tonga mpanjaka taoriany. Jereo hoe ahoana no nanoratanao ny anarany ao amin'ny 5:1.
Ny teny hoe "nofy" sy "fahitana" dia samy ilazana nofy mitovy ihany izay nofaritana ao anatin'ity toko ity. DH: "fahitana raha nanofy izy."
"ireo rivotra avy eny rehetra eny" na "rivo-mahery avy amin'ny tari-dalana efatra rehetra" (UDB)
"nisavoritaka" na "nikorontana" na "nahatonga fihevahevana"
Zava-boaary famantarana izany, fa tsy biby tena nisy.
DH: "Nisy nandrovitra ireo elany ary nanainga izany tamin'ny tany ary nampitsangana azy tamin'ny tongony roa tahaka ny olona."
Eto ny hoe "saina" dia ilazana ny eritreritra. DH: "Nisy nanome fahafahana mieritreritra tahaka ny olona izany"
Tsy tahaka ny bera amin'izao io, fa biby famantarana izay mitovy amin'ny bera.
Taolana lava miolaka ao amin'ny tratra izay mifandray amin'ny hazon-damosina.
DH: "Nisy olona niteny izany"
tsy leoparda amin'izao fotoana izao izany, fa biby famantarana izay mitovy amin'ny leoparda.
Ny elatra efatra sy ny loha efatra dia famantarana, fa tsy mazava ny dikan'izany.
"nanana loha efatra ilay biby"
DH: "Nisy nanome fahefa izany hanapaka"
Tsy biby amin'izao fotoana izao ihany koa izany. Fa zava-boaary famantarana.
"nandeha tamboniny ary namotika"
Mitohy mamariparitra ny fahitany ny biby fahefatra izay hita ao amin'ny 7:6 i Daniela.
Ireo mpandika teny dia tokony nanoratra fanamarihana tahaka izao: "Ny tandroka dia mariky ny hery ary maneho ny mpitarika mahery"
DH: "Ny tandroka kely dia nandriatra ny telo tamin'ireo tandroka voalohany"
Eto dia nirehareha ny tandroka, mampiasa ny vavany hanao izany. DH: "nanam-bava ny tandroka ary nirehareha tamin'ny fanaovana zvaa-dehibe"
Ny ankamaroan'ny lahatsoratry ny andininy 9-14 dia fiteny an'ohatra miaraka amin'ny andalana mifanindran-dalana izay manana dikany mitovy. Noho izay antony izay, ny ULB sy UDB dia maneho azy ireo amin'ny fomba kanto.
DH: "Nisy nametraka seza fiandrianana teo amin'ny toeran'izy ireo."
Lohateny ho an'Andiamanitra izany izay midika fa mandrakizay Izy. DH: "Ilay Velona Mandrakizay" na "Ilay Velona Rahatrizay"
Ity andalan-teny ity dia manoritsoritra ny fipetrahan'Andriamanitra, miaraka amin'ny akanjo sy volo tahaka ny olona. Izany akory tsy midika fa tena tahaka izany Andriamanitra, fa izany no fahitan'i Daniela an'Andriamanitra tao amin'ny fahitana.
Fomba fiteny izany izay manambara fa nipetraka Izy. DH: ""nipetraka eo amin'ny seza fiandrianany"
Ny akanjony dia nampitahana tamin'ny oram-panala mba hampisehoana fa tena fotsy izany. DH: "Tena fotsy ny akanjony"
Ny zavatra momba ny volon'Andriamanitra dia miendrika toy ny volon'ondry tsy mifangaro. Mety ho dikany ihany koa ny hoe 1) tena fotsy izany (UDB) na 2) matevina sy olioly izany.
"volon'ondry madio" na "volon'ondry izay voasasa"
Manoritsoritra ny sea fiandrianan'Andriamanitra izany ary ireo kodiany dia toy ny natao tamin'ny afo. Ireo teny hoe "lelan'afo" sy "afo mirehitra" dia midika ifotony zavatra mitovy ary azo adika amin'ny fomba mitovy.
Tsy mazava izany hoe nahoana ny seza fiandrianan'Andriamanitra no nosoritsoritana ho toy ny manana kodia. Raha ny tokony ho izy ny seza fiandrianana dia tsy tokony hanana kodia, fa ny lahatsoratra dia milaza mazava fa ity seza fiandrianana ity dia manana karazana kodia. Mampiasà teny amin'ny ankapobeny ho an'ny "kodia" raha azo atao.
Mitohy manoritsoritra ny fahitany ny fitsarana any an-danitra i Daniela sy ny valin-teny tamin'ny biby fahefatra izay hita ao amin'ny 7:6.
Ny ankamaroan'ny lahatsoratry ny andininy 9-14 dia fiteny an'ohatra miaraka amin'ny andalana mifanindran-dalana izay manana dikany mitovy. Noho izay antony izay, ny ULB sy UDB dia maneho azy ireo amin'ny fomba kanto.
Ny lalana haingana izay hahatongavan'ny afo avy amin'ny fanatrehan'Andriamanitra dia lazaina ho toy ny rano mikoriana amin'ny renirano. DH: "Naidina nivoaka teo anatrehany tahaka ny rano amin'ny renirano ny afo" (UDB)
Ny teny hoe "Izy" dia ilazana an'Andriamanitra, ny Andro Fahagola tao amin'ny 7:9
Mety hilazana vondrona mivelatra iray angamba izany toy izay hoe isa voafaritra. DH: "an'arivorivony" na "vahoaka maro an'isa"
Mety hilazana vondrona mivelatra iray angamba izany toy izay hoe isa voafaritra. DH: "an'alin'aliny" na "vahoaka tsy hita isa"
Midika izany fa Andriamanitra, ilay mpitsara, dia vonona ny hanidihady ny porofo ary hanao ny fitsarany. DH: "Vonona ny hitsara ny mpitsara" na "Tafatombina ny mpitsara"
ireo dia boky izay misy ny porofo hampiasaina amin'ny fitsarana. DH: "Nisokatra ny bokin'ny porofo."
Mitohy manoritsoritra ny fahitany ny fitsarana any an-danitra i Daniela sy ny valin-teny tamin'ny biby fahefatra izay hita ao amin'ny 7:6.
DH: "Namono ilay biby fahefatra izy ireo, namotika ny vatany, ary nanome izany ho an'olona mba ho dorana."
Novonoina ilay biby satria nanapa-kevitra ny mpitsara fa meloka izy. DH: "nanameloka ilay biby izy ireo" na "nandidy ny mpitsara ka namono ilay biby izy ireo"
Ilazana ny biby fahefatra izay manan-tandroka folo sy ny tandroka izay voalaza ho mpirehareha izany. DH: "ilay biby nampihorohoro indrindra" na "ilay biby izay nanan-tandroka mirehareha"
Mety hazava kokoa ny filazana hoe "ny biby telo hafa"
DH: "nalàn'ny mpitsara ny fahefan'izy ireo hanapaka" na "tapitra ny fahefan'izy ireo hanapaka"
DH: "nitohy niaina nandritry ny vanim-potoana izy ireo" na "navelan'ny mpitsara hiaina fotoana fohy izy ireo"
Ny ankamaroan'ny lahatsoratry ny andininy 9-14 dia fiteny an'ohatra miaraka amin'ny andalana mifanindran-dalana izay manana dikany mitovy. Noho izay antony izay, ny ULB sy UDB dia maneho azy ireo amin'ny fomba kanto.
Ny olona izay hitan'i Daniela dia tsy olona araka ny tokony ho izy, fa olombelona miendrika tahaka ny lehilahy. "Dia nahita ihany koa aho tamin'iny alina iny olona tonga izay nitovy tamin'ny zanak'olona, izany hoe, manana endrik'olombelona. (UDB)
"niaraka tamin'ny rahon'ny habakabaka"
Ilazana izany fa Andriamanitra dia mandrakizay. Jereo hoe ahoana no nandikanao io lohateny io ao amin'ny 7:9
DH: "Nasehon'izy ireo tamin'ny Andron'ny Fahagola io zanak'olona io" na "nitsangana teo anoloany izy"
DH: "Ilay iray izay miendrika tahaka ny zanak'olona no nandray ny fahefana hanapaka, ny voninahitra, ary ny hery fiandrianana"
Eto, izany, dia ilazana ny "fahefana"
Eto ny hoe "firenena" sy "fiteny" dia maneho ny olona avy any amin'ny firenen-tsamihafa izay miteny amin'ny fiteny samy hafa. Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 3:3. DH: "Ny olona avy any amin'ny firenena samihafa sy miteny amin'ny fiteny samy hafa"
Ireo andian-teny ireo dia midika zavatra mitovy.
DH: "izay tsy ho ravain'iza na iza mandrakizay."
Ireo andian-teny roa ireo dia mamaritra ny fihetseham-pon'i Daniela. Ilay faharoa dia manome fampahafantarana bebe kokoa momba ilay voalohany, manazava ny alahelon'ny fanahiny.
Eto ny hoe "fanahiko" dia ilazana an'i Daniela ihany. DH: "Tena nalahelo tato anatiko aho"
Io dia iray tamin'ireo zava-boaarin'ny lanitra izay mitsangana manoloana ny seza fiandrianan'Andriamanitra (UDB). Mety ho dikany koa ny 1) anjely ireo, fanahy izay manompo an'Andriamanitra. 2) ireo dia olona efa maty ary any an-danitra ankehitriny.
"mba hilaza amiko" (UDB) or "mba hanazava amiko"
"ireo zavatra hitako"
"Ireo biby lehibe efatra ireo"
"maneho mpanjaka efatra"
Eto ny hoe "avy amin'ny tany" dia midika fa tena vahoaka izy ireo. DH: "mpanjaka efatra izay ho tonga amin-kery amin'ny tany" (UDB) na "lehilahy efatra izay hitsangana avy eo amin'ny vahoakan'ny tany ary ho tonga mpanjaka"
"hanjaka eo amin'izany izy ireo"
Izany fiverenan-kevitra izany dia mampisongadina fa io fanjakana io dia tsy ho tapitra mandrakizay.
"tena mampahatahotra"
"mandeha eo amboniny ary mamotika"
"ireo tandroka folo eo amin'ny lohan'ireo biby efatra"
"nitombo, ary momba ireo tandroka telo izay nianjera avy amin'izany" na "nitombo, ary momba ireo tandroka telo izay nianjera noho izany"
Eto ny hoe "potraka" dia fanalefahan-teny izay midika fa potika izy ireo". DH: "izay namotika ireo tandroka telo"
"ny vavany izay nirehareha" na "ny vavan'ilay tandroka vaovao, izay nirehareha"
Ny tandroka misy maso sy vava dia toa lehibe noho ireo tandroka hafa.
"io tandroka fahefatra io". Izany dia ilazana ny tandroka izay voasoritsoritra ao amin'ny 7:19
DH: "mandra-pihavin'ireo Andro Fahagola sy hitondrana fahamarinana"
Izany dia lohateny ho an'Andriamanitra mba hampisongadinana fa mandrakizay Izy. Jereo hoe ahoana no nandikanao io lohateny io ao amin'ny 7:9.
DH: "Nomen'Andriamanitra an'ireo olomasina ny fanjakany"
Maro amin'ireo lahatsoratra ao amin'ny andininy 23-27 no fiteny fanehoana. Noho izany antony izany, ny ULB dia mampiseho azy ireo aminn'y fomba kanto.
Io ilay olona nolazain'i Daniela ao amin'ny 7:15.
"novalian'ilay olona"
"Momba ilay biby fahefatra... momba ireo tandroka folo" na "Ary, ny momba ny biby fahefatra... Ary, ny momba ireo tandroka efatra"
Tsy midika akory izany fa ilay fanjakana fahefatra no handrava ny planeta, fa hanafika amin-kerisetra izany, hamabo, ary handrava ny fanjakana hafa rehetra amin'ny tany.
Hifandimby hanjaka izy ireo. DH: "mpanjaka folo no hitondra eo amin'ireo fanjakana efatra ireo, ny iray aorian'ny hafa."
Io mpanjaka hafa io dia tsy an'isan'ireo folo. Mety hanampy kokoa ny filazana azy ho "mpanjaka faha iraika ambin'ny folo" DH: "aorian'izany dia hisy mpanjaka faha iraika ambin'ny folo hahery tokoa"
"Hiavaka noho ireo mpanjaka folo hafa izy."
Handresy telo amin'ireo mpanjaka folo voalohany izy. Mety hanampy kokoa ny filazana fa ireo mpanjaka telo ireo dia nasehon'ireo tandroka telo izay nipoitra. DH: "naharesy ireo mpanjaka telo izay nasehon'ny tandroka telo izay nipoitra izy" (UDB)
Ilay olona tao amin'ny fahitan'i Daniela dia mitohy mireska amin'i Daniela.
Maro amin'ireo lahatsoratra ao amin'ny andininy 23-27 no fiteny fanehoana. Noho izany antony izany, ny ULB dia mampiseho azy ireo amin'ny fomba kanto.
Midika izany fa ilay mpanjaka farany indrindra dia tsy miombon-kevitra malalaka ary milaza zavatra ratsy momba ny Avo Indrindra.
Ny teny hoe "izy" sy "-ny" dia ilazana ny mpanjaka vaovao indrindra, fa tsy ny Avo Indrindra.
"Olomasin'Andriamanitra"
Ireo teny ireo dia samy ilazana ny lalàn'i Mosesy. Ny fankalazana dia fizarana manan-danja ao amin'ny fanompoham-pivavahan'i Israely tao amin'ny Testamenta Taloha."
Eto ny hoe "tanany" dia ilazana ny fifehezany. DH: "Hifehy ny fankalazan'ny fanompoham-pivavaha sy ireo lalàna ny mpanjaka farany indrindra."
Izany dia midika hoe "telo taona sy tapany" (UDB). Tsy fomba fanisan'ny Israelita araka ny tokony ho izy izany. Andramo adika amin'izay fomba mitahiry izany fomba fanisa izany izany. DH: "herin-taona ampiana roa taona ampiana enim-bolana."
Midika izany fa vonona hanadihady ny porofo sy hanao fitsarana ny mpitsara. DH: "hitsara ny mpitsara" na "hipetraka ny mpitsara"
"ny mpikambana ao amin'ny fitsarana dia hanatsoaka ny herin'ny fitsarana amin'ny mpanjaka farany indrindra."
Eto, izany, dia ilazana ny "fahefana". Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 7:13
DH: "ary nanimba sy nandrava izany taminn'y farany" na "ary nandrava tanteraka ny herin'ny fiandrianany tamin'ny farany"
Ilay olona tao amin'ny fahitan'i Daniela dia mitohy mireska amin'i Daniela.
Maro amin'ireo lahatsoratra ao amin'ny andininy 23-27 no fiteny fanehoana. Noho izany antony izany, ny ULB dia mampiseho azy ireo amin'ny fomba kanto.
DH: "Homen'Andriamanitra ho an'ny olona ... ny fanjakana sy ny fanapahana"
Ireo teny roa ireo dia midika ifotony zavatra mitovy ary mampisongadina fa hikasika ny endriky ny fahefan'ny manam-boninahitra rehetra izany.
Ny anarana hoe "fahalehibeazana" dia azo adika amin'ny mpamari-toetra hoe "lehibe". DH: "ny zava-dehibe rehetra mikasika ny fanjakan'Andriamanitra"
Ny fomba fiteny hoe "ambanin'ny lanitra manontolo" dia ilazana ireo fanjakan'ny tany. DH: "an'ny fanjakan'ny tany manontolo"
"Ny fanjakan'ny Avo Indrindra"
"fanjakana izay hisy mandrakizay" na "fanjakana tsy hanam-pahataperana"
Izany dia midika fa nahavita ny fanoritsoritana ny fahitana i Daniela. DH: "izany no hitako tamin'ny fahitako" (UDB) na "Izany no fiafaran'ny fanoritsoritana ny hitako tao amin'ny fahitako"
"lasa hatsatra ny tavako"
1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Belsazara Mpanjaka, izaho, Daniela, dia nisy fahitana niseho tamiko (tao aorinan'ilay iray izay niseho tamiko tamin'ny voalohany). 2 Hitako tamin'ilay fahitana, raha nijery aho, dia tao anatin'ny fiarovana mafin'ny Sosana tany amin'ny faritanin'i Elama aho. Hitako tao amin'ilay fahitana fa nanatrika ny Lakandranon'ny Olay aho. 3 Nijery ambony aho ary nahita ondrilahy niaraka tamin'ny tandroka roa teo anoloako aho, nitsangana teo akaikin'ny lakan-drano. Ny tandroka iray dia lava noho ny ilany, fa ilay lavalava iray nitombo tsimoramora noho ilay fohifohy ary nihoatra ny halavan'izany. 4 Nahita ilay ondrilahy nirifatra niankandrefana, avy eo nianavaratra, ary avy eo nianatsimo aho; tsy nisy biby hafa afaka nitsangana nanoloana azy. Tsy nisy tamin'izy ireo afaka namonjy izay hiala tao an-tanany. Nanao izay tiany rehetra izy, ary tonga lehibe tokoa. 5 Raha nisaintsaina momba izany aho, dia nahita osy lahy tonga avy any andrefana, izay nandeha nanerana ny velaran-tany manontolo, nihazakazaka mafy, toa tsy mitehi-tany. Nanan-tandroka lava teo anelanelan'ny masony ilay osy. 6 Nankeo amin'ilay ondrilahy izay nanana tandroka roa izy— nahita ny ondrilahy nitsangana teo amin'ny sisin'ny lakan-drano aho—ary ny osy nihazakazaka ho eny amin'ny ondrilahy tamim-pahatezerana mahery vaika. 7 Nahita ilay osy nanakaiky ilay ondrilahy aho. Tezitra mafy tamin'ilay ondrilahy izy, ary namely ilay ondrilahy ka namotika ireo tandrony roa. Tsy ampy hery ilay ondrilahy mba hijoro manatrika azy. Ilay osy nanongana azy tamin'ny tany ka nanitsakitsaka azy. Tsy nisy afaka namonjy ilay ondrilahy tamin'ny heriny. 8 Niha-goavana ilay osy avy eo. Fa rehefa niha-nahery izy, dia vaky ilay tandroka lava, ary tamin'ny toeran'iny dia nisy tandroka lava efatra hafa nitombo izay nanondro manandrify ny rivotra efatry ny lanitra. 9 Nisy tandroka hafa nitsiry, kely tamin'ny voalohany, fa tonga lehibe tokoa tany atsimo, tany atsinanana, ary tany amin'ny tanin'ny hatsarana. 10 Tonga lehibe tokoa izany tahaka ny hirotsaka an'ady miaraka amin'ny tafiky ny lanitra. Ny sasany tamin'izany tafika izany sy ny sasany tamin'ireo kintana dia nazera tamin'ny tany, ary nanitsakitsaka azy ireo izany. 11 Nanao ny tenany ho lehibe tahaka ny mpifehy ny tafika izy, ary nanaisotra taminy ny sorona dorana tsy tapaka izany, ary ny fitoerana masiny dia voaloto. 12 Noho ny fikomiana, dia homena ny tandroky ny osy ny tafika, ary hatsahatra ny fanatitra dorana. Harian'ny tandroka amin'ny tany ambany ny fahamarinana, ary hahomby amin'izay ataony izany. 13 Ary naheno masina niteny aho ary iray masina hafa namaly azy: "Hafiriana no haharetan'ireo zavatra ireo, io fahitana momba ny fanatitra dorana io, ny fahotana izay mitondra faharavana, ny fanjakazakana eo amin'ny fitoerana masina, ary ny tafiky ny lanitra izay voahitsakitsaka?" 14 Hoy izy tamiko: "Haharitra 2. 300 hariva sy maraina izany. Aorian'izany dia hapetraka tsara ny fitoerana masina." 15 Rehefa nahita ny fahitana, izaho, Daniela, dia niezaka nahatakatra izany aho. Ary nisy iray toa miendrika ho olona nitsangana nanoloana ahy. 16 Naheno feon-dehilahy niantso teo anelanelan'ny sisin'ny Lakan-drano Olay aho. Hoy Izy: "Ry Gabriela, ampio io lehilahy io hahatakatra ny fahitana." 17 Ka nanakaiky teo amin'izay nitsanganako izy. Rehefa tonga izy, natahotra aho ary nanodrika ny tenako tamin'ny tany. Hoy izy tamiko: "Mahatakara, ry zanak'olona, fa ny fahitana dia ho amin'ny fotoana farany." 18 Rehefa niresaka tamiko izy, dia lavo tao anaty torimaso lalina aho miaraka amin'ny tavako amin'ny tany. Ary nikasika ahy izy ary nampitsangana ahy. 19 Hoy izy: "Indro, hasehoko anao izay hitranga aty aoriana amin'ny fotoan'ny fahatezerana, satria ny fahitana dia mikasika ny fotoana voatondro ho amin'ny farany. 20 Fa ny rameva izay hitanao, ilay nanana tandroka roa—ireo no mpanjakan'i Media sy Persia. 21 Ilay ondry lahy dia ny mpanjakan'i Grisia. Ny tandroka lava teo anelanelan'ireo masony no ilay mpanjaka voalohany. 22 Raha ny amin'ilay tandroka izay tapaka, teo amin'ny toerana izay nipoiran'ireo efatra hafa—hisy fanjakana efatra hipoitra amin'ny fireneny, fa tsy amin'ny heriny lehibe. 23 Amin'ny fotoana farany an'ireo fanjakana ireo, rehefa hahatratra ny fetrany ireo mpamadika, dia hisy mpanjaka masia-tarehy, izay tena manan-tsaina, hitsangana. 24 Ho lehibe tokoa ny heriny—fa tsy tamin'ny heriny manokana. Ho gaga amin'izay ho ravàny izy; hiasa izy ary hahomby. Handrava vahoaka mahery izy, vahoaka eo amin'ireo izay masina. 25 Amin'ny alalan'ny hafetsifetseny no hanaovany fitaka mahomby ambanin'ny tanany. Ho tonga lehibe amin'ny eritreriny ihany izy. Handrava olona maro tsy ampoizina izy. Hitsangana izy na dia hanohitra ny Mpanjakan'ireo mpanjaka aza, ary ho potika izy, fa tsy mba amin'ny alalan'ny tanan'olombelona. 26 Ny fahitana momba ireo hariva sy ireo maraina izay efa voalaza dia marina. Fa asio tombokase ny fahitana, fa manondro andro maro amin'ny hoavy izany." 27 Koa izaho, Daniela, dia reraka ary dia nandry nalemy nandritra ny andro maromaro. Ary nifoha aho, ka nandeha tamin'ny raharahan'ny mpanjaka. Fa rikoriko tamin'ny fahitana aho, ary tsy nisy iray ka nahatakatra izany.
Ireo toko faha7 sy faha8 dia tsy milahatra araka ny vanim-potoana. Nitranga ireto raha mbola i Belsazara no mpanjaka, talohan'ny fitondran'i Dariosa sy Kyrosy izay noresahana tao amin'ny toko faha6.
Tao amin'ny fahitan'i Daniela, dia nahita biby izay naneho zavatra hafa izy. Taorian'ny fahitana dia nisy olona nanazava ny dikan'ireo fanehoana ireo.
"Tamin'ny taona telo"
Izany no zanak'i Nebokadnezara izay tonga mpanjaka taorian'ny rainy. Jereo hoe ahoana no nandikanao io anarana io ao amin'ny 5:1
Fampahafantarana fototra mampahatsiaro ny mpamaky fa io no fahitana faharoan'i Daniela izany. DH: "nanana fahitana faharoa niseho tamiko"
Anaran-toerana ireo.
Ny lakan-drano dia lalan-drano tery izay vitan'olona."
Ny ondrilahy dia manana tandroka roa raha ny tokony ho izy. Ireo tandroka ireo, na izany aza, dia manana hevitra fanehoana.
"fa ilay lavalava iray nitombo tsimoramora noho ilay fohy kokoa, ary ilay fohy kokoa iray dia nitombo mba hitovy halavana aminy."
"Nahita ilay ondrilahy nihazakazaka aho" na "nahita ilay ondrilahy nihazakazaka haingana be aho"
Tsy manan-tanana ny ondrilahy. Eto ny hoe "tanana" dia ilazana ny herin'ny ondrilahy. DH: "mba hamonjy na iza na iza avy aminy" na "mba hamonjy na iza na iza tamin'ny heriny"
Ny andian-teny hoe "tany manontolo" dia fanitaran-kevitra izay midika fa tonga avy lavitra izy. DH: "avy lavitra nanerana ny velaran-tany."
Ny osy dia manan-tandroka roa tamin'y lafin'ireo lohany. Io sary io dia tokony hazavaina. DH: "Nanan-tandroka lava iray teo afovoan'ny lohany ilay osy"
Natsofoka ho fampahafantarana fototra izany mba hanazavana hoe taiza no nisy ny ondrilahy.
"ary tezitra indrindra izany"
mamotika zavatra amin'ny fandehanana eo amboniny.
"Ny ondrilahy avy amin'ilay osy noho ny heriny"
"Niha-goavana sy nahery ilay osy"
DH: "Nisy zavatra namotika ilay tandroka lava"
Eto ny hoe "rivotra efatry ny lanitra" dia fomba fiteny ilazana ireo tondro lehibe efatra (Avaratra, Atsinanana, Atsimo, Andrefana) izay itsofan'ny rivotra. DH: "amin'ny tondro karazany efatra"
"fa tonga lehibe tokoa izany"
Midika fa manondro ireo tendro ireo izany angamba izany. DH: "ary nanondro nanandrify ny atsimo sy nanandrify ny atsinanana avy eo ary nanandrify ny hatsaran'ny tanin'i Israely" (UDB)
Ilazana ny tanin'Israely izany.
Eto ny tandroka dia manome hatsaran'olona ary natao ho amin'ny ady izany.
DH: "Nanjera ny sasany tamin'izany tafika izany sy ny sasany tamin'ny kintana ho amin'ny tany ny tandroka."
Eto ny tandroka dia nanome hatsaran'olona izay nanitsakitsaka ireo kintana sy ny tafika.
Mitohy manoritsoritra ny fahitany ny tandroka i Daniela
Manome hatsaran'olona ny tandroka.
Izany dia ilazana an'Andriamanitra ihany, izay mpitarika ny tafiky ny anjely.
Eto ny hoe "nanaisotra" dia midika fa nanajanona ny sorona ny tandroka. Eto ny hoe "taminy" dia ilazana an'Andriamanitra, ilay mpifehy ny tafika. DH: "Nanajanona ny vahoaka taminn'y fanaovana ny sorona dorana tsy tapaka ho azy izany"
DH: "mandoto ny fitoerana masina izany"
Ny fanaovan'ny tandroka tsinontsinona ny fahamarinana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra dia lazaina koa hoe nanary ny marina tamin'ny tany izany. DH: "Nandà ny fahamarinana ilay tandroka."
"anjely"
"ny fileferan'ny fitoerana masina"
DH: "ny tandroka manitsakitsaka ny tafiky ny lanitra"
Eto ny hoe "hariva sy maraina" dia fampisainana ilazana ny zavatra rehetra ao anatin'izany, izay midika hoe andro manontolo. DH: "masoandro mody sy masoandro mihiratra 2 300" na "2 300 andro"
"hodiovina ny tempoly ary hapetraka amin'ny filaminany indray." (UDB)
Eto ny lehilahy dia fantatra tamin'ny feony. DH: "antson-dehilahy avy aminn'y Lakan-drano Olay."
Ny lakan-drano dia lalan-drano tery izay vitan'olona. Jereo hoe ahoana no nandikanao io anarana io ao amin'ny 8:1.
Fihetsim-piankohofana izay handrian'ny olona aminn'y tany izany.
"ireo andro farany" na "ny fiafaran'izao tontolo izao". Tsy ilazana ny vanim-potoana farany izany, fa ny zava-hitranga avy hatrany mialoha ny farany.
Karazana torimaso izany, raha matory mafy ilay olona dia tsy ho moramora ny fifohazana.
Izany dia ilazana ny fotoana izay hitsaran'Andriamanitra. Azo azavaina izany. DH: "ny fotoana izay hitsaran'Andriamanitra amin'ny fahatezerana."
"ny fotoana izay hiafaran'izao tontolo izao"
Ao anatin'ireo andininy ireo, manazava amin'i Daniela ny dikan'ireo zavatra fanehoana izay hitany tao amin'ny fahitany ny anjely. Ankehitriny ireo biby sy tandroka dia manambara ny fanapana sy fanjakan'ny olombelona.
"tandroka roa—manambara izy ireo"
Mety ho dikany ny 1) ilazanaa ny mpanjakan'i Media sy Persia ireo na 2) sarinteny izay hanehoan'ireo mpanjaka ny fanjakan'i Media sy Persia izany. DH: "ny fanjakan'i Media sy Persia."
Mety ho dikany ny hoe 1) ilazana ny mpanjakan'i Grisia izany na 2) sarinteny izay hanehoan'ny mpanjaka ny fanjakan'i Grisia izany" DH: "ny fanjakan'i Grisia"
"Ny tandroka lava eo anelanelan'ny masony dia maneho"
Ao anatin'ireo andininy ireo, manazava amin'i Daniela ny dikan'ireo zavatra fanehoana izay hitany tao amin'ny fahitany ny anjely. Ankehitriny ireo biby sy tandroka dia manambara ny fanapana sy fanjakan'ny olombelona.
"Tamin'ny nahavaky ilay tandroka lava, nisy efatra hafa nitsiry."
Ny tandroka efatra dia maneho ireo fanjakana vaovao efatra. Azo azavaina izany. DH: "izy ireo dia manambara ireo fanjakana efatra ka ao anatin'izany ny fanjakan'ny mpanjaka voalohany dia hozaraina"
"fa tsy nanan-kery mihoatra ilay mpanjaka izay naseho tamin'ny tandroka lava izy ireo"
"Toa manakaiky ny farany ireo fanjakana ireo."
"hahatratra ny fahafenoan'izy ireo" na "nahahazakazaka ny fihazakazahan'izy ireo"
tarehy- Izany dia midika olona izay miendrika mpanohitra, na toa ny handà ny hankatoa.
Ao anatin'ireo andininy ireo, manazava amin'i Daniela ny dikan'ireo zavatra fanehoana izay hitany tao amin'ny fahitany ny anjely. Ankehitriny ireo biby sy tandroka dia manambara ny fanapana sy fanjakan'ny olombelona.
"fa hisy olon-kafa hanome hery azy"
Eto ny hoe "fitaka" dia lazaina ho toy ny olona izay hahomby. DH: "hitombo ny habetsaky ny fahadisoam-panantenana"
Eto ny hoe "tanana" dia ilazana ny fanapahany. DH: "ambanin'ny fanapahany"
Ilazana an'Andriamanitra izany.
Eto ny hoe "izy" dia ilazana ny heriny. DH: "ho tapitra ny fitondrany.
Eto ny hoe "tanana" dia manambara hery. DH: "tsy mba amin'ny alalan'ny herin'olombelona" na "amin'ny alalan'ny hery avy amin'Andriamanitra"
Mitohy manoro an'i Davida ny momba ny fahitana izay hitan'i Daniela ny anjely.
Miresaka momba ny fahitany ny anjely tahaka ny hoe horonan-taratasy izay afaka akombona amin'ny tombo-kase savoka izany. Nisoroka ny fahitan'ny olona ny ao anatiny mandram-pahapotika ny tombo-kase izany. DH: "hidio ary asio tombo-kase izay voasoratrao momba ny fahitana" na "aza lazaina na amin'iza na amin'iuza ny momba ny fahitana"
"trotraka ary nandry am-pandriana narary nandritra ny andro maromaro."
"nanao ny asa izay nanendren'ny mpanjaka ahy"
"raiki-tahotra tamin'ny fahitana aho" na "nisavoritaka tanteraka tamin'ny fahitana aho".
1 Dariosy dia zanaka lahin'i Ahasoerosy, taranaky ny Mediana. Ahasoerosy no efa natao mpanjaka teo amin'ny faritr'ireo Babiloniana. 2 Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosy, izaho Daniela, nianatra ireo boky mirakitra ny tenin'i Yaveh, teny izay efa tonga tamin'i Jeremia mpaminany. Nandinika aho fa tokony nisy fitopolo taona hatramin'ny nandaozana an'i Jerosalema. 3 Natodiko tamin'ny Tompo Andriamanitro ny tavako, mba hitady Azy amin'ny fivavahana sy fangatahana, amin'ny fifadian-kanina, fiakanjoana lamba fisaonana, ary fipetrahana amin'ny lavenona. 4 Nivavaka tamin'i Yaveh Andriamanitro aho, ary nanao fiaiken-keloka tamin'ireo fahotantsika. Hoy aho hoe: "Tompo o—Ianao no lehibe sady Andriamintra mahatalanjona—Ianao ilay tokana mitandrina ny fanekena ary mahatoky amin'ny fitiavana ireo izay tia anao sy mitandrina ireo didinao. 5 Efa nanota izahay ary efa nanao ny tsy mety. Efa nanao fitondra-tena ratsy sy nikomy izahay, niala tamin'ny didinao sy ireo fitsipikao. 6 Tsy nihaino ireo mpaminany mpanomponao izay niteny tamin'ny anaranao tamin'ny mpanjakanay izahay, ireo mpitarika anay, ireo razambeanay, ary ireo vahoakan'ny tany rehetra. 7 Anao, ry Tompo, ny fahamarinana. Kanefa, ho anay anio, ny henatra eo amin'ny tavanay—ho an'ny vahoakan'ny Joda sy ireo izay monina any Jerosalema, ary ho an'ny Israely rehetra. Anisan'izany ireo izay akaiky sy ireo izay lavitra indrindra any amin'ny tany rehetra izay nandefasanao azy ireo. Izany dia noho ny fitaka lehibe izay nataonay hanohitra Anao. 8 Ho anay, ry Yaveh, eo amin'ny tavanay ny henatra—ho an'ireo mpanjakanay, ho an'ireo lehibenay, ary ho an'ireo razambenay—satria efa nanota taminao izahay. 9 An'ny Tompo Andriamanitray ny fangoram-po sy ny famelan-keloka, fa efa nikomy hanohitra Azy izahay. 10 Izahay dia tsy nankatò ny feon'i Yaveh Andriamanitray tamin'ny fandehanana araka ny lalàny izay nomeny anay tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompony. 11 Ny Israely rehetra dia efa nandika ny lalànao ka niala, nandà tsy hankatò ny feonao. Ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, ny mpanompon'Andriamanitra, efa naidina taminay, satria efa nanota taminy izahay. 12 Yaveh efa nanamafy ny teny izay nolazainy manohitra antsika sy manohitra ny fitsipika teo amintsika, tamin'ny fitondrana loza teo amintsika. Fa tsy nisy zava-bita azo ampitahaina amin'ny natao tamin'i Jerosalema teo amin'ny ambany lanitra manontolo. 13 Araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, no hiavian'izany loza rehetra izany amintsika, fa mbola tsy nitalaho ny famindram-po avy tamin'i Yaveh Andriamanitray tamin'ny fialàna tamin'ireo helokay sy hahitanay ny fahamarinanao izahay. 14 Ka noho izany dia notehirizin'i Yaveh ho vonona ny loza ary efa nentiny teo aminay izany, satria Yaveh Andriamanitray dia marina amin'ny asa rehetra izay ataony, kanefa mbola tsy nankatò ny feony ihany izahay. 15 Koa, ry Tompo Andriamanitray, nentinao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ny vahoakanao tamin'ny tanana mahery, ary efa nanao anarana fanta-daza ho an'ny tenanao Ianao, toy izao andro anio izao. Fa mbola nanota ihany izahay; efa nanao ireo zava-dratsy. 16 Ry Tompo, noho ireo asa marinao, dia aoka ny hatezeranao sy ny fahaviniranao hiala amin'i Jerosalema tanànanao, ilay tendrombohitrao masina. Fa noho ireo fahotanay, sy noho ny helok'ireo razambenay, dia lasa antom-pahafam-baraka ho an'izay manodidina anay i Jerosalema sy ireo vahoakanao. 17 Ankehitriny, ry Andriamanitray, mihainoa ny vavaky ny mpanomponao sy ny fitalahoany famindram-po; fa noho ny aminao, Tompo o, dia ampamirapirato eo amin'ny fitoeranao masina izay rava ny tavanao. 18 Andriamanitro o, sokafy ny sofinao ka mihanoa; sokafy ny masonao ka mijere. Efa simba rava izahay; jereo ny tanàna izay nantsoina avy amin'ny anaranao. Tsy mitalaho ho an'ny fanampianao izahay noho ny fahamarinanay, fa noho ny famindram-ponao lehibe. 19 Tompo o, mihainoa! Tompo o, mamelà heloka! Tompo o, mihainoa ka mihetseha! Noho ny Aminao manokana, aza ela, ry Andriamanitro, fa ny tanànanao sy ny vahoakanao dia antsoina amin'ny anaranao." 20 Raha mbola niteny aho—nivavaka sy niaiky ny fahotako sy ny fahotan'Israely vahoakako, ary naneho ny fangatahako teo anatrehan'i Yaveh Andrimanitro ho an'ny tendrombohitra masin'Andriamanitra— 21 raha mbola nivavaka, ilay lehilahy Gabriela, izay hitako tao amin'ny fahitana voalohany, nanidina teo amiko tamin'ny fanidinana haingam-pandeha, tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva. 22 Nanome fahazavan-tsaina ahy Izy ary nanao hoe: "Ry Daniela, tonga hanome halalin-tsaina sy fahazavan-tsaina ho anao aho izao. 23 Rehefa nanomboka nitalaho famindram-po ianao, dia nomena ny baiko ary tonga aho hilaza aminao ny valiny, fa ianao dia tiana tokoa. Noho izany dia tsarovy izao teny izao ary takaro ny fanambarana. 24 Fito amby fitopolo amin'ny taona no voadidy ho an'ny vahoakanao sy ny tanànanao masina mba hampitsaharana ny heloka sy hampitsaharana ny fahotana, hanoherana ny faharatsiana, ary hitondrana ny fahamarinana mandrakizay, mba hanatanterahana ny fahitana sy ny faminaniana, ary hanamasinana ny fitoerana masina indrindra. 25 Fantaro ary takaro fa avy amin'ny fivoahan'ny baiko no hamerenana amin'ny laoniny sy hanorenana indray an'i Jerosalema ho an'ny fahatongavan'ilay voahosotra (izay ho mpitarika), hisy fito impito sy roa amby enimpolo impito. Haorina amin'ny lalana sy hady indray i Jerosalema, na dia eo aza ireo fotoam-pahoriana. 26 Afaka roa amby enim-polo impito amin'ny taona, ilay voahosotra dia ho rava ary tsy hanana na inona na inona. Ny tafiky ny mpanapaka izay ho avy dia handringana ny tanàna sy ny fitoerana masina. Ny fiafaran'izany dia ho tonga miaraka amin'ny tondra-drano, ary hisy ady, eny fa na dia any amin'ny farany aza. Efa voadidy ny fandravana. 27 Hanamafy ny fanekena amin'ny maro anatin'ny fito iray izy. Amin'ny fisasahan'ny fito dia hampitsahatra ny sorona sy fanatitra Izy. Amin'ny elatry ny fahavetavetana no ho tonga ny olona izay hanao fandravana. Ny fiafarana tanteraka sy ny fahapotehana dia nambara fa haidina amin'izay mpandrava."
Ny toko faha 7 sy faha 8 dia tsy milahatra araka ny vanim-potoana. Nitranga tamin'ny mbola naha-mpanjaka an'i Belsazara izy ireo. Ankehitriny ny toko faha 9 dia miverina amin'ny zava-nitranga tamin'ny fanjakan'i Dariosa izay tonga mpanjaka ao amin'ny toko faha 6.
Fampahafantarana fototra io momba an'i Ahasoerosy. Ataon'ny UDB anaty fononteny izany mba hampahazava azy.
DH: "no tonga mpanjaka teo amin'ny faritr'ireo Babyloniana" na "izay mamabo an'ireo Babyloniana." (UDB)
"teo amin'ny firenena" na "teo amin'ny fanjakana"
Izany no anaran'Andriamanitra izay nambara tamin'ny vahoakany ao ami'nny Testamenta Taloha.
"hatramin'ny fotoana naharava an'i Jerosalema, tokony nitoetra tao anaty faharavana nandritra ny 70 taona izany"
Midika izany fa tsy misy na iza na iza hanampy na hanangana an'i Jerosalema indray mandritra io fotoana io.
Eto ny hoe "tava" dia ilazana ny fifantohan'i Daniela. DH: "nampifantoka ny fifantohako tamin'ny Tompo Andriamanitra aho" na "nanitsy ny eritreritro tamin'ny Tompo Andriamanitra aho"
Ireo izay te hahafantatra an'i Yaveh sy hitalaho Aminy dia nambara ho toy ny hoe mitady ara-bakiteny izy ireo mba hahita an'i Yaveh.
Fihetsika fanehoana fibebahana sy fitalahoana ireo.
"Miaiky ny fahotantsika aho"
"Ianao ilay manao izay nolazainao fa hataonao tao amin'ny fanekenao, ary Ianao dia tia amim-pitokiana ireo izay"
Mitohy mivavaka amin'ny Tompo momba ny vahoaka Israely i Daniela.
Ireo andian-teny ireo dia manambara hevitra iray amin'ny fomba roa samy hafa mba ho fampisongadinana.
Ireo andian-teny ireo dia manambara hevitra iray amin'ny fomba roa samy hafa mba ho fampisongadinana.
Ny teny hoe "didy" sy "fitsipika" dia mizaraha hevitra mitovy ary ilazana ny lalàna manontolo.
Eto ny hoe "tsy nihaino" dia midika fa tsy nankatò ny hafatr'izy ireo. DH: "Tsy nankatò ny hafatr'ireo mpaminaninao izahay"
Eto ny hoe "anarana" dia ilazana ny fahefan'Andriamanitra. DH: "niteny tamin'ny fahefanao" na "niteny toy ny solotenanao"
Eto ny hoe "tany" dia ilazana an'i Israely. DH: "Ny vahoaka Israelita" (UDB)
Mitohy mivavaka amin'ny Tompo momba ny vahoaka Israely i Daniela.
Ny maha-marina dia lazaina ho toy ny hoe "fahamarinana" izay zavatra an'i Yaveh. Ny anarana hoe "fahamarinana" dia azo lazaina ho fihetsika. DH: "Tompo, miasa amim-pahamarinana ianao" (UDB)
Ny maha-menatra dia lazaina ho toy ny hoe zavatra ny "henatra" izay an'olona. Ny anarana hoe "henatra" dia azo lazaina ho matoanteny. DH: "Fa ho anay kosa, menatra noho ny zavtra nataonay izahay-vahoaka"
Ny teny hoe "anay" dia ahitana an'i Daniela sy ireo Israelita, fa tsy tafiditra ao Andriamanitra.
Io fomba fiteny io dia midika fa hitan'ny rehetra ny henatr'izy ireo.
"satria namadika anao tokoa izahay" na "satria tena tsy toka-po taminao izahay" (UDB)
Mitohy mivavaka amin'ny Tompo momba ny vahoaka Israely i Daniela.
Ny fanana ireo toertra ireo dia toa manambara fa an'ny Tompo izay ireo. DH: "Ny Tompo Andriamanitsika dia mangoraka am-po sy mamela heloka"
Eto ny teny hoe "feo" dia ilazana ireo didy izay nolazain'i Yaveh. DH: "Tsy nankatò izay nolazain'i Yaveh hataonay izahay"
Ny teny hoe "niala" dia midika fa nijanona tamin'ny fankatoavana ireo lalàn'Andriamanitra i Israely.
DH: "nosoratan'i Mosesy ao amin'ny lalàna ny momba izany"
Ny fahabetsahan'ny ozona sy ny fianianana dia lazaina ho toy ny hoe naidina tahaka ny rano. DH: "nentinao ho anay"
Mitohy mivavaka amin'ny Tompo momba ny vahoaka Israely i Daniela.
Manao fanitarana i Daniela mba manehoana ny alahelony lehibe momba an'i Jerosalema. tanàna maro no rava tanteraka.
"tsy nisy na inona na inona vita"
DH: "izay nataonao tamin'i Jerosalema"
DH: "Araka ny nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna"
Eto ny fanajanonana ny fihetsika ratsy dia lazaina ho toy ny miala amin'izy ireny. DH: "fanatsaharana ireo asa ratsintsika"
"Nanomana ireo loza ireo Yaveh"
Eto ny hoe "feo" dia ilazana ireo zavatra izay nandidian'i Yaveh. DH: "tsy nataonay izay nasainy nataonay"
Eto ny hoe "tanana mahery" dia sarin-teny ho an'ny tanjaka. DH: "amin-tanjaka lehibe"
"nahatonga ny olona hahalala ny halebiazanao Ianao, toy ny ataonao androany"
Ireo fehezanteny ireo dia midika ifotony zavatra mitovy ary miaraka ampiasaina mba hampisongadinana ny haratsian'ny ota.
I Daniela sy Israely no nanota ary nanao zava-dratsy, fa tsy tafiditra ao anatin'ny hoe "izahay" Andriamanitra.
Ny teny hoe "fatezerana" sy "fahavinirana" dia midika zavatra mitovy ary mampisongadina fa mahatsiravina ny fahatezeran'Andriamanitra rehefa mihetsika amin'izany Izy.
Io tendrombohitra io dia mety hoe masina satria ao ny tempolin'Andriamanitra. DH: "ny tendrombohitra izay mlisy ny tempolinao masina"
Eto ny hoe "-nay" dia ilazana an'Israely sy Daniela, fa an'Andriamanitra.
"anton'ny tsy fanajana"
Tsy midika akory izany hoe "ankehitriny", fa fomba hanehoana ny dingana manaraka amin'ny vavak'i Daniela izay vao nanomboka izany.
Ny teny hoe "mpanomponao" sy "-ny" eto dia ilazana an'i Daniela. Miresaka momba ny tenany izy ho mari-panajana an'Andriamanitra.
"fangatahana famindram-po"
Miresaka momba an'i Yaveh miasa tsara ny mpanoratra tahaka ny hoe namirapira-pahazavana ny tavan'i Yaveh. DH: "miasa amin-katsaram-panahy" (UDB) na "miasa amin'ny fankasitrahana"
Izany dia ilazana nyu tempolin'i Jerosalema.
Ny "manokatra ny sofina" dia fomba fiteny izay midika hoe mihaino. Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary manasongadina ny fanirian'i Daniela an'Andriamanitra mba hiaino ny fivavany. DH: "mba henoy"
Ny "manokatra ny maso" dia fomba fiteny izay midika hoe mijery. Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary manasongadina ny fanirian'i Daniela an'Andriamanitra mba handre ny fivavany. DH: "jereo izahay" na "mandrenesa"
Eto ny hoe "anarana" dia manambara ny fananana. DH: "dia tanànanao" na "anao"
DH: "Mihetseha haingana"
"Ny vahoakan'Israely izay ahy"
Mety hoe masina ny tendrombohitra nohon'ny tempoly. DH: "ny tendrombohitra izay misy ny tempolin'Andriamanitra."
Io ihany ilay anjely Gabriela izay niseho tamin'ny endriky ny olona ao amin'ny 8:15. DH: "Gabriela, izay niendrika toy ny olona"
Mety ilazana ny fahitana voalohana azon'i Daniela tamin'izy nifoha izany. DH: "tao amin'ny fahitana teo aloha." na "tamin'ny fahitana hitako teo aloha" na "tamin'ny fahitana teo aloha"
"nanidina haingana teo amiko"
Ny vahoaka Jiosy dia nanao sorona ho an'Andriamanitra oisaky ny hariva vantany vao milentika ny masoandro.
Ny teny hoe "halalin-tsaina" sy "fahazavan-tsaina" dia midika zavatra mitovy ary manasongadina fa i Gabriela dia hanampy an'i Daniela mba hahazo tanteraka ny hafatra.
DH: "Andriamanitra dia nanome ny baiko"
Eto ny hoe "teny" dia ilazana ny hafatra manontolo. DH: "Mieritrereta momba izany hafatra izany"
Milaza indray ny faminaniana ao amin'ny Jeremia 9:1 izany
impito roa- Tsy fomba fanisa araka ny tokony ho izy ho an'ny Israelita izany. Raha mety, miezaha mandika izany amin'ny fomba izay hitehirizana ny fampiasana ny isa fito. DH: "Impitopolo ao anatin'ny fito taona ... impito ao anatin'ny fito taona ... ary indroa amby enimpolo ao anatin'ny fito taona"
Nandidy Andriamanitra fa tokony hanao ireo zavatra ao amin'io andininy io izy ho an'ny vahoaka sy ny tanàna masina.
Ny teny hoe "-nao" eto dia ilazana an'i Daniela. Ny vahoaka dia ny Israelita ary ny taàna masina dia i Jerosalema.
Miverina ny hevitra mba hampisongadinana fa azo antoka izay zava-hitranga.
Eto ny hoe "manatanteraka" dia fomba fiteny izay midika fa vita. DH: "Mba hahavitana ny fahitana"
Ireo teny ireo ao amin'io vontoatiny io dia midika zavatra mitovy. Nanome antoka an'i Daniela izy ireo fa ny fahitan'i Jeremia dia faminaniana tokoa.
Ireo teny ireo dia niaraka nampiasaina mba hampahazava ny votoatiny. DH: "Tsy maintsy mahazo tsara ianao" na "tsy maintsy azo antoka fa hahafantatra ianao"
Ny fanosorana dia fihetsika maneho fa voafidy ny olona iray. DH: "Ny olona izay nohosoran'Andriamanitra" na "ny olona izay nofidian'Andriamanitra"
roa impito- Ireo natambatra no manome 69 amin'ny 70 impito noresahana ao amin'ny andininy 24.
DH: "Haorin'ny olona indray i Jerosalema"
Lavaka lalina manodidina ny tanàna na ny trano be, matetika misy rano ao anatin'izany.
"fotoan'ny fikorontanana lehibe"
Tsy fomba fanisa araka ny tokony ho izy ho an'ny Israelita izany. Raha mety, miezaha mandika izany amin'ny fomba izay hitehirizana ny fampiasana ny isa fito. Jereo hoe ahoana no nandikanao io isa io ao amin'ny 9:24. DH: "indroa amby enimpolo fito"
DH: " horavain'ny olona ilay voahosotra ary tsy hanana na inona na inona izy"
Ny fanosorana dia fihetsika maneho fa voafidy ny olona iray. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 9:24. DH: "Ny olona izay nohosoran'Andriamanitra" na "ny olona izay nofidian'Andriamanitra"
Mpanapaka avy any ivelany izany, tsy "ilay voahosotra". DH: "ny mpanapaka avy any ivelany izay ho avy" na "ny mpanapaka feno hery izay ho avy"
Ho ravain'ny tafika ny tanàna sy ny fitoerana masina tahaka ny tondra-drano manimba zavatra.
DH: "Efa nandidy fandringanana ho an'ny tanàna sy ny fitoerana masina Andriamanitra" na "Efa nanambara Andriamanitra fa ny tafika fahavalo dia handrava ny zavatra rehetra
Ilazana ny fitondrana ho avy izany izay handrava ilay voahosotra.
Eto ny hoe "fito" dia ampiasaina hilazana ny fotoan'ny fito taona.
"mijanona" na "miato"
Ireo teny ireo dia midika zavatra mitovy. Ny famerenana izany dia ny mba hampisehoana fa ny mpitondra dia hisoroka ny karazana sorona rehetra. DH: "ny endriky ny sorona rehetra" na "ny karazana sorona rehetra"
Mety hilazana ireo drafitra fiarovana eo an-tendron'ireo rindrin'ny tempoly izany, izay nantsoina hoe "fahavetavetana" satria feno sampy izy ireo. DH: "Ireo rindrin'ny tempoly izay feno fahavetavetana"
"olona izay handrava tanteraka"
DH: "Nandidy Andriamanitra fa hampidina fiafarana tanteraka sy fanhapotehana Izy."
Ireo teny na fanambarana roa ireo dia mitovy. Mampisongadina izy ireo ho fa matotra sy ho feno ny fahapotehana. DH:" Fahapotehana tanteraka"
"ny olona izay nahatonga ny fahapotehana"
1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Kyrosy mpanjakan'i Persia, dia nisy hafatra nambara tamin'i Daniela, izay nantsoina ihany koa hoe Beltesazara. Marina izany hafatra izany. Izany dia momban'ny ady lehibe. Nahatakatra ilay hafatra i Daniela rehefa nahazo faharanitan-tsaina avy amin'ny fahitana izy. 2 Tamin'izany andro izany, izaho Daniela, dia nisaona nandritra ny telo herinandro. 3 Tsy nihinana hanim-py aho, tsy nihinana hena mihitsy, tsy nisotro divay mihitsy, ary tsy mba nanosotra diloilo tamin'ny tavako mandra-pahavitan'ny telo herinandro manontolo. 4 Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny tamin'ny voalohan'ny volana, raha teo akaikin'ny ony lehibe aho (izany hoe, Hedekela), 5 niandrandra aho ary nahita lehilahy nitafy lamban-drongony, miaraka amin'ny fehikibo vita amin'ny volamena tsy mifangaro avy any Ofaza manodidina ny valahany. 6 Ny vatany dia toy ny topaza, ary ny tarehiny toy ny hazavana. Ireo masony tahaka ny fanilo mirehatra, ary ireo sandriny sy ny tongony toy ny varahina manganohano. Ny feony toy ny feon'olona maro be. 7 Izaho, Daniela, irery no nahita fahitana, fa ny olona izay teo amiko dia tsy nahita ny fahitana. Na izany aza, tonga teo amin'izy ireo ny horohoro lehibe, ary nandositra nanafina ny tenany izy ireo. 8 Koa izaho irery no sisa teo ary nahita ilay fahitana lehibe. Tsisy hery nitoetra tao amiko; nihasimba nivaloarika ny endriko namiratra, ary tsisy hery nitoetra tao amiko. 9 Dia naheno ireo teniny aho—ary raha naheno azy ireo aho, latsaka tanaty torimaso lalina aho ary ny tarehiko teo amin'ny tany. 10 Nisy tanana nikasika ahy, ary nampangovitra ny lohaliko sy ny felan'ny tanako. 11 Niteny tamiko ny anjely hoe: "Ry Daniela, lehilahy nohindrahindraina fatratra, fantaro ireo teny izay lazaiko aminao. Mijoroa mahitsy, satria nirahina ho aty aminao aho." Rehefa avy niteny izany hafatra izany tamiko izy, dia nijoro am-pangovitana aho. 12 Dia hoy izy tamiko: "Aza matahotra, ry Daniela. Nanomboka tamin'ny andro voalohany nahafantaranao izany tao an-tsainao ary nanetrenao tena teo alohan'ny Andriamanitrao, dia efa re ny teninao, ary tonga aho noho ny teninao. 13 Ny andriandahy ao amin'ny fanjakan'i Persia nanohitra ahy, ary niandry ny mpanjakan'ny Persia aho nandritran'ny iraika amby roapolo andro. Fa i Mikaela, anankiray amin'ireo andriana lehibe, no tonga nanampy ahy. [1]14 Ankehitriny tonga aho hanampy anao hahatakatra izay hanjo ny vahoakanao amin'ny andro farany. Fa ny fahitana dia ho an'ireo andro mbola ho avy." 15 Rehefa nilaza tamiko tamin'ny fampiasana ireo teny ireo izy, natodiko tamin'ny tany ny tavako ary tsy afaka niteny aho. 16 Nikasika ny molotro ny olona iray izay tahaka ny zanak'olona, ary nanokatra ny vavako aho ka niteny taminy nitsangana teo anoloako hoe: "Ry Tompoko, nohon'ny fahitana dia ao anaty fahoriana aho; tsy misy hery tavela ato amiko. 17 Mpanomponao aho. Ahoana no hahafahako miresaka amin'ny tompoko? Fa ankehitriny tsy manan-kery aho, ary tsy misy fofon'aina tavela ato anatiko." 18 Nikasika ahy indray ilay naka endrik'olona ary nankahery ahy. 19 Hoy izy hoe: "Aza matahotra, ry lehilahy nahindrahindra fatratra. Fiadanana anie ho anao! Matanjaha izao, matanjaha!" Raha mbola niresaka tamiko izy, dia nahery aho. Hoy aho hoe: "Aoka ny tompoko no hiteny, fa nankahery ahy ianao." 20 Dia hoy izy hoe: "Fantatrao ve nahoana aho no tonga eto aminao? Mbola hiverina hiady amin'ny andriandahin'i Persia aho. Rehefa mandeha aho, dia ho avy koa ny andriandahin'i Grisia. 21 Nefa ho lazaiko aminao izay voasoratra ao amin'Ny Bokin'ny Marina. Tsy misy olona mampiseho ny tanjaky ny tenany amiko mba hanohitra azy ireo, afa-tsy Mikaela andriandahinareo.
"taona 3 tamin'ny fitondran'i Kyrory mpanjakan'ny Persia"
DH: "Nanambara hafatra tamin'i Daniela Andriamanitra"
"fahazavan-tsaina"
Karazan-tsakafo lafo sy vitsy izany. DH: "sakafo raitra"
"mandra-pahatapitry ny telo herinandro manontolo."
andro fahefatry ny volana voalohany- Izany no volana voalohany tamin'ny tetiandro Hebrio. Ny andro fahefatra amby roapolo dia manakaiky ny antsasaky ny volana Aprily amin'ny tetiandro Tandrefana.
"ary nitondra fehi-kibo izy"
Toerana i Ofaza. Tsy fantatra ny toerany.
Nanjelanjelatra tamin'ny hazavana manga sy mavo ny vatany tahaka ny natao tamin'ny topaza izany. DH: "nanjelanjelatra tahaka ny topaza ny vatany"
vatosoa manga sy mavo, fantatra koa toy ny hoe berila, peridota, na krysolita
Nirehitra toy ny hazavan'ny tsela-baratra ny tarehiny. DH: "Nirehitra tamin'ny hazavana tahaka ny famirapiratana toy ny tsela-pahazavana ny tarehiny."
Ireo masony dia nirehitra tamin'ny hazavana tahaka ny hoe fanilo mirehitra izy ireo. DH: "Nazava tokoa ireo masony izay toa hoe misy fanilo mirehitra ao anatin'izy ireo.
Mamirapiratra tahaka ny hoe natao tamin'ny varahina manganohano ireo sandriny sy ireo tongony. DH: "ireo sandriny sy tongony dia namirapiratra tahaka ny varahina manganohano izay mitaratra ny manodidina azy.
Tena mafy ny feony izay toy ny olona be dia be izay miteny mafy avokoa. DH: "Mafy toy ny vahoaka maro be miara-miantso ny feony."
DH: "Tsy nisy na iza na iza niaraka tamiko, ary hitako"
"Niova nivaloarika ny endriko namiratra"
Manoritsoritra ny tarehin'olona salama tsara izany. DH: "ny endriko salama tsara"
tsy fahasalaman'olona, ny hoe endrika hatsatsa dia nolazaina ho toy ny hoe trano be niongana izany. DH: "Hatsatra"
Midika izany fa nisy niteny tao amin'ny fahitana. Afaka hazavaina izany. DH:" Nandre ireo tenin'olona izay niteny aho."
Mety ho dikany ny hoe: 1) Natahotra mafy tamin'ny zavatra hitany i Daniela ka ninia nandry tamin'ny tany izy, ary teo no nahareraka azy na 2) Reraka i Daniela ka nitrosona tamin'ny tany.
Midika sarin-teny izany, hoe ny tanan'ny olona dia maneho izany olona izany, mety ho ilay olona hitan'i Daniela ao amin'ny 10:4. DH: "Nisy olona nikasika ahy tamin'ny tanany"
DH: "Ry Daniela, ianao izay tena nahindrahindran''Andriamanitra"
sarobidy be ary notiavina
"natao hahatakatra ny fahitana ianao"
DH: "Ren'Andriamanitra ireo teninao"
Eto dia milaza ny fanahy izay manana ny fahefana amin'ny olon'ny firenena izany. DH: "fanahin'andriandahy"
Mety hilaza ireo karazana mpanjaka izay niteonga teo amin'ireo firenena teo amin'ny fanjakan'ny Persiana izany, sy ireo izay tsy maintsy nankatò ny mpanjakan'ny Persia
"Mikaela, iray tamin'ireo lehiben'ny anjely" na "Mikaela, iray tamin'ireo arkanjely"
Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.
"Nijery ny tany aho." Mety hoe nanao izany i Daniela mba haneho fanajana mendrika, na hoe satria natahotra izy."
Mety hilazana ilay niresaka tamin'i Daniela izany. Na izany aza, misy dikan-teny sasany mandika izany toy ny milaza karazan'olona. DH: "Io iray io, izay miendrika toa olona"
Eto io fanehoan-kevitra io dia ilazana ny maha-olona amin'ny ankapobeny. DH: "tahaka ny maha-olona"
fietseham-po mampijaly mafy
Nanontany io i Daniela izay midika fa tsy afaka ny hiresaka amin'ny anjely izy satria tsy mitovy amin'ny anjely izy. Ireo andian-teny ireo dia azo akambana. DH: "Tsy afaka ny hamaly anao aho satria mpanomponao fotsiny aho."
Fomba fiteny ilazana ny fomba fiaina izany. DH: "Tsy afaka miaina aho" na "tena sarotra ny miaina"
"ilay niendrika toa olona"
Ny teny hoe "matanjaha" dia naverina mba ho fampisongadinana.
DH: "Ianao izay nahindrahindran'Andriamanitra fatratra"
DH: "Lasa nahery aho"
Eto ny hoe "andriandahy" dia ilazana ny fanahy izay mitondra sy miambina ny olon'ny firenena. Jereo hoe ahoana no nandikanao ny andian-teny mitovy ao amin'ny 10:12. DH: "Ny fanahin'ny andriandahin'ny Persia"
Midika izany fa hilaza amin'i Daniela momba izany avy hatrany ny anjely, anloan'ny andehanany. DH: "Fa hoteneniko anao aloha"
DH: "izay lazain'Ny Bokin'ny Marina" na "izay nosoratan'olona tao amin'Ny Bokin'ny Marina"
"izay manaporofo ny tanjaky ny tenany"
"Mikaela andriandahinao irery ihany no maneho tamiko ny tenany ho matanjaka tamin'izy ireo" na "Mikaela andriandahinao irery ihany no nanampy ahy tamin'izy ireo"
Ny teny hoe "-nareo" dia milaza an'i Daniela sy ny ambin'ny vahoakan'i Israely. DH: "Mikaela, ilay andriandahinareo"
"Mikaela anjely mpiambina anareo". Adikao ny hoe "andriandahy" raha milaza ilay Mikaela nataonao tao amin'ny 10:12 izany.
1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosy Mediana, dia izaho mihitsy no tonga hanohana sy hiaro an'i Mikaela. 2 Ho lazaiko aminao ny marina izao. Hisy mpanjaka telo hitsangana any Persia, ary ny fahefatra dia ho mpanefoefo lavitra noho ireo hafa rehetra. Rehefa nahazo hery tamin'ny hareny izy, dia hamporisika ny olon-drehetra hanohitra ny fanjakan'i Gresy. 3 Hisy mpanjaka mahery hitsangana izay hanapaka fanjakana lehibe tokoa, ary hanao araka izay iriany izy. 4 Rehefa tafatsangana izy, dia ho rava ny fanjakany ary hizara amin'ny rivotra efatry ny lanitra, fa tsy amin'ny taranany manokana, ary tsy amin'ny fahefany fony nanapahany. Fa ny fanjakany dia ho fongotra ho an'ny hafa ankoatra ireo taranany. 5 Ny mpanjakan'ny Atsimo dia ho lasa matanjaka, saingy ny iray amin'ireo mpifehiny dia hanjary hatanjaka lavitra noho izy ary hanapaka ny fanjakany amin'ny hery lehibe. 6 Taona vitsy aorian'izany, rehefa mety ny fotoana, dia hanao fihavanana izy ireo. Ny zanaka vavin'ny mpanjakan'ny Atsimo ho avy any amin'ny mpanjakan'ny Avaratra hanamafy ny fifanekena. Saingy tsy hahatana ny herin'ny ny sandriny izy, na koa hotafajanona ralehilahy, na ny sandriny. Hafoy izy—izy sy ireo izay nitondra azy, ary ny rainy, sy izay nanohana azy tamin'izany fotoana izany. [1]7 Fa hisy rantsana avy amin'ireo fakany hitsangana handimby ny toerany. Hanafika ny tafika izy ary hiditra ao amin'ny fiarovana mafin'ny mpanjakan'ny Avaratra. Hiady amin'izy ireo izy, ka haharesy azy. 8 Hoentiny any Egypta ireo andriamaniny mbamin'ireo sary voasokitra vy ary ireo lovia volafotsy sy volamena sarobidin'izy ireo. Hijanona lavitra ny mpanjakan'ny Avaratra mandritra ny taona maromaro izy. 9 Hananika ny fanjakan'ny mpanjakan'ny Atsimo ny mpanjakan'ny Avaratra, saingy hiala ho any amin'ny taniny izy. 10 Hivonona ary hanangona tafika lehibe ireo zanany lahy. Hiavy hatrany hatrany izany ary hanafotra ny zava-drehetra; handalo avy eo amin'ny lalana rehetra ho eo amin'ny fiarovany mafy izany. 11 Hanjary ho tezitra mafy ny mpanjakan'ny Atsimo; handeha ary hiady amin'ny mpanjakan'ny Avaratra izy. Hanangana tafika goavana ny mpanjakan'ny Avaratra, saingy hatolotra eo an-tanany ny tafika. 12 Ho lasa ny tafika, ary ny fon'ny mpanjakan'ny Atsimo hisandratra, ary handavo an'alinalina izy, saingy tsy ho mpandresy. 13 Hanangana tafika hafa ny mpanjakan'ny Avaratra, goavana noho ilay tamin'ny voalohany. Taona maro aty aoriana, dia ho avy tokoa ny mpanjakan'ny Avaratra miaraka amin'ny tafika goavana voavatsy fitaovana betsaka. 14 Amin'izany fotoana izany dia maro no hitsangana hanohitra ny mpanjakan'ny Atsimo. Zanaka mpisetrasetra maro eo amin'ny vahoakanao no hametraka ny tenan'izy ireo hahatanteraka fahitana iray, saingy ho tafintohina izy ireo. 15 Ho avy ny mpanjakan'ny Avaratra, handraraka tany hanaovana tovon-tany, ary hambabo tanàna amin'ny fiarovana mafy. Tsy ho afa-mijoro ny tafiky ny Atsimo, na dia ireo miaramila mahery indrindra aza. Tsy hisy hery ho tafajoro. 16 Fa kosa, izay ho avy no hanao izay iriany hanoherana azy; tsy hisy ho tafatsangana eo amin'ny lalany. Hitsangana eo amin'ny tanin'ny fahatsarana izy, ary ho eo an-tanany ny fandringanana. 17 Hanomana ny tavany ho avy miaraka amin'ny herin'ny fanjakany rehetra ny mpanjakan'ny Avaratra, ary hisy fifanarahana izay hataony miaraka amin'ny mpanjakan'ny Atsimo hiaraka aminy. Hanome zanaka vavy avy amin'ny vehivavy hampakarina izy mba hamotehana ny fanjakan'ny Atsimo. Fa tsy hahomby na hanampy azy ilay tetika. 18 Aorian'izany, dia ho liana amin'ny sisin-tany ny mpanjakan'ny Avaratra ary hambabo ny maro amin'izy ireo. Saingy hisy mpifehy hanapitra ny avonavony ary hahatonga ny fireharehany hivadika ho any aminy ihany. 19 Dia ho liana amin'ny fiarovana mafin'ny taniny ihany izy, saingy ho tafintohina izy ka ho lavo; ary tsy ho hita. 20 Dia hisy olona hitsangana handimby ny toerany izay hampandalo mpamory hetra iray noho ny amin'ny famirapiratan'ny fanjakana. Fa amin'ny andro manaraka eo dia ho torotoro izy, fa tsy amin'ny hatezerana na amin'ny ady. 21 Olona notsinontsinoavina izay tsy mba homen'ny olona ny voninahitry ny fahefan'ny mpanjaka no handimby ny toerany; ho avy tampoka izy ary haka ny fanjakana an-kafetsena. 22 Hisy tafika iray ho voafaoka tahaka ny safo-drano eo anoloany. Samy ho ringana avokoa izany tafika izany sy ny mpitarika ny fanekena. 23 Amin'ny fotoana izay hanaovana fifanarahana miaraka aminy, dia hamitapitaka izy; vahoaka vitsy an'isa fotsiny no hahatonga azy hatanjaka. 24 Ho avy any amin'ny faritany manan-karena indrindra tsy hampitandrina akory izy, ary tsy hanao izay nataon'ny rainy na ny raibeny izy. Hampiely ireo voasambotra, ireo babo, ary ireo harena eo amin'ireo mpanaradia azy izy. Hitetika ny fanonganana ny fiarovana mafy izy, fa vetivety ihany. 25 Hamoha ny heriny izy ary ny fony hanohitra ny mpanjakan'ny Atsimo amin'ny tafika goavana. Hanangana ady amin'ny tafika lehibe, tena mahery ny mpanjakan'ny Atsimo, saingy tsy hiangana izy satria hikononkonona hanohitra azy ny hafa. 26 Na izay mihinana ny hanim-piny aza dia hitady hamotika azy. Ho voafaoka tahaka ny safo-drano ny tafiny, ary maro amin'izy ireo no ho lavo voavono. 27 Samy hipetraka eo amin'ny latabatra iray ihany ireo mpanjaka ireo, amin'ny fon'izy ireo mikasa hifanao ratsy, hifandainga ao amin'izy ireo, saingy tsy hisy dikany izany. Fa ho avy ny farany amin'ny fotoana izay efa voatondro. 28 Hiverina any amin'ny taniny miaraka amin'ny harem-be ny mpanjakan'ny Avaratra, miaraka amin'ny fony manohitra ny fanekena masina. Hiasa izy ary hody any amin'ny taniny ihany avy eo. 29 Amin'ny fotoana voatondro dia hiverina izy ary ho avy hanohitra ny Atsimo indray. Fa amin'ity indray mandeha ity dia tsy ho tahaka ny teo aloha. 30 Fa ho avy hanohitra azy ireo sambon'i Kitima, ary hanjary hatahotra ka hiemotra izy. Ho sosotra amin'ilay fanekena masina izy, ary haneho sitraka amin'ireo izay mahafoy ny fanekena masina. 31 Hitsangana ny heriny ka hanota-fady ny fiarovana mafin'ny fitoerana masina. Halain'izy ireo ny fanatitra dorana mahazatra, ary hapetrak'izy ireo ny fahavetavetana izay mahatonga faharavana. 32 Ny amin'ireo izay ratsy fanahy tamin'ny fifanekena, dia ho fitahiny ireny ka ho simba toetra. Saingy ireo olona izay mahalala ny Andriamanitr'izy ireo dia hahery ary hiasa. 33 Ireo izay hendry eo amin'ny olona no hampahalala ny maro. Fa ho lavon-tsabatra sy ny lela afo izy ireo; ho lavo any amin'ny fahababoana sy ny fandrobana mandritra ny andro maro izy ireo. 34 Amin'ny fahalavoan'izy ireo, dia ho vonjena amin'ny famonjena kely sy bitika izy ireo. Hikambana amin'izy ireo am-pihatsarambelatsihy ny maro. 35 Ho lavo ny sasany amin'ireo hendry hany ka ho avy amin'izy ireo ny fandiovana, ny fanasana, ary fanadiovana, ambara-pahatongan'ny fotoana ny farany. Fa mbola ho avy ihany ny fotoana voatondro. 36 Hanao araka izay iriany ny mpanjaka. Hanandra-tena izy ka hanao ny tenany ho lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra. Hilaza zavatra manohina hanohitra ny Andriamanitry ny andriamanitra izy, fa hahomby ambara-pahatanterahan'ny fahavinirana izy. Fa ho atao izay efa nodidiana. 37 Tsy mba hiraharaha ireo andriamanitry ny razany izy na ilay andriamanitra tsiriritin'ny vehivavy. Ary tsy hiraharaha izay mety ho andriamanitra rehetra izy. Fa hanao ny tenany ho ambonin'ny olon-drehetra izy. 38 Hankalaza ny andriamanitry ny fiarovana mafy izy fa tsy ireo. Andriamanitra izay tsy neken'ireo razany no homena haja amin'ny volamena sy volafotsy, amin'ny vato soa sy fanomezana sarobidy izany. 39 Hanafika ireo fiarovana mafy indrindra izy amin'ny fanampian'ny andriamani-kafa. Izay rehetra manaiky azy, dia homeny voninahitra be. Hataony mpanapaka eo amin'ny olona maro ireo, ary hozarainy ho valisoa ny tany. [2]40 Amin'ny fotoan'ny farany no hanafika ny mpanjakan'ny Atsimo. "Hamely azy amin'ny kalesy sy mpitaingin-tsoavaly, ary sambo maro ny mpanjakan'ny Avaratra. Ho avy hanohitra ireo tany izy, hanenika azy ireo, ary hamakivaky izany. 41 Handeha any amin'ny tanin'ny fahatsarana izy, ary Israelita an'alinalina no ho lavo. Fa ireto no ho tafandositra amin'ny tanany: Edoma, Moaba, ary ireo sisa tamin'ny vahoakan'i Amona. 42 Hanitatra ny tanany amin'ireo tany izy; ary tsy havotana ny tany Egypta. 43 Hifehy ny rakitra volamena sy volafotsy izy, ary ny haren'ny Egypta rehetra; ho eo an-tongony ireo Lybiana sy ireo Etiopiana. 44 Fa hampihorohoro azy ny vaovao avy any atsinanana sy avaratra, ka handeha hivoaka amin'ny fahavinirana lehibe izy mba handravarava tanteraka ary hanokana ny maro ho ringanina. 45 Hametraka ny lain'ny fonenan'ny mpanjakany eo anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitry ny fahatsaran'ny fahamasinana izy. Ho tonga amin'ny fiafarany izy, ary tsy hisy hamonjy azy.
Ao amin'ny Daniela 11:1 hatramin'ny 12:4, ilay resahan'i Daniela ao amin'ny toko faha 10 dia miteny aminy izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny marina. Izany dia araka ny nolazainy hataony ao amin'ny 10:20
I Dariosy no mpanjakan'ny Mediana. "Ny taona voalohany" dia ilazana ny taona voalohany nahampanjaka azy. DH: "Tamin'ny taona voalohan'ny fitondran'i Dariosy"
"Hisy mpanjaka telo hitondra eo amin'ny Persia"
"aorian'izy ireo dia hisy mpanjaka fahefatra ho tonga amin-kery izay hanam-bola be noho ireo telo talohany."
mety ho dikany ny hoe 1) fahefana na 2) herin'ny miaramila
"Hahatonga ny olon-drehetra te hiady izy"
Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.
Ny hevitry ny fiarenana na fitsanganana dia matetika ampiasaina ho an'ny olona lasa fenpo hery. DH: "Hisy mpanjaka mahery hanomboka hitondra"
Mety ho dikany ny hoe 1) fa ho goavana tokoa ny haben'ny fanjakany, na 2) fa hitondra ny fanjakany amin-kery lehibe tokoa ny mpanjaka.
DH: "Ho vaky hisaraka ny fanjakany ary hizara" na "Ho vaky hisaraka an-tsingatsingany ny fanjakany"
Adikao tahaka ny ao amin'ny 7:1 izany.
Ny hevitry ny tsy fizarazarana sy ny tsy fitsinjarana dia voalaza eto. DH: "fa tsy voazara ho an'ireo taranany ihany izany" na "fa tsy voatsinjara ho an'ireo taranany ihany izany"
Ny fanjakana dia lazaina ho toy ny hoe nambolena ka nisy olona namotika azy tamin'ny alalan'ny famongorana izany. DH: "hisy hery hafa hamongotra sy hamotika ny fanjakany ary hisy hafa izay tsy taranany hitondra eo amin'izany."
Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.
Ny mpifehin'ny mpanjakan'ny Atsimo dia ho tonga mpanjakan'ny Avaratra.
Ny mpanjakan'ny Atsimo dia hanao fihavanana amin'ny mpanjakann'y Avaratra. Io fihavanana io dia ho fampiraharahana ara-dalàna ka na ny firenena aza dia ilaina manaraka. DH: "ny mpanjakan'ny Atsimo sy ny mpanjakan'ny Avaratra dia hanome toky hiaraka hiasa."
ny mpanjakan'ny Atsimo dia hanome ny zanany vavy ho an'ny mpanjakan'ny Avaratra amin'ny fanambadiana. Ny fanambadiana no handraikitra ny fifanarahana eo amin'ny mpanjaka roa.
Eto ny hoe "sandry" dia hipetraka ho hery.
Mitranga izany mba hilazana ny fandrika hamonoana azy sy ireo izay nanao ny fihavanana. DH: "Handao azy izy ireo"
Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.
Io fianakaviana io dia noharina tamin'ny hazo. Ny faka dia maneho ireo razambe, ary ireo rantsana dia maneho ny taranaka. DH: "taranaky ny razambeny" na "iray amin'ireo taranany".
Ny teny hoe "-ny" dia ilazanay ny zanaky ny mpanjakan'ny Atsimo ao amin'ny 11:5.
Ny teny hoe "izy" dia ilazana ireo taranany, ary eto dia ilazana ihany koa ny tafiny izany. DH: "Hanafika ny tafiky mpanjakan'ny Avaratra izy sy ny tafiny"
Eto ny hoe "izy ireo" dia manambara ireo miaramilan'ny tafika fahavalo. DH: "Hiady amin'ny miaramilan'ny fahavalo izy"
Ny teny hoe "izy" dia ilazana ny mpanjakan'ny Avaratra.
Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.
"Ireo zanaka lahin'ny mpanjakan'ny Avaratra"
"hiara-kanangona lehilahy maro izay afaka hiady amin'ny ady."
Ny fomba fandrakofan'ny tafika lehibe ny tany dia ho toy ny tondra-drano. DH: "ho maro an'isa ka handrakotra ny tany manontolo izy ireo."
Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.
"hamondrona tafika goavana"
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ny fanara-mason'ny mpanjakan'ny Atsimo. DH: "Hampanolo-batana ny tafika amin'ny mpanjakan'ny Atsimo ny mpanjaka"
Ny fisandratana dia maneho ny hevitra hoe lasa mirehareha fatratra. DH: "ho tonga mirehareha fatratra."
Eto ny fahalavoana dia maneho ny fahafatesana an'ady. DH: "hahatonga ny tafiny hamono an'arivony maro ny fahavalony" na "hamono an'arivony maro amin'ireo fahavalony"
"an'arivony maro"
Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.
DH: "tafika goavana izay manana fitaovana betsaka"
Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.
Eto ny hevitry ny fisandratana dia maneha fikomiana. DH: "maro ny olona hikomy hanohitra ny mpanjaka"
Io fanehoan-kevitra io dia ilazana ny olona mahery setra.
Eto ny fahatafintohinana dia maneho ny tsy fahombiazana. DH: "tsy nahomby izy ireo."
Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.
Ny hoe "ny mpanjakan'ny Avaratra" eto nia milaza ny miaramila ao amin'ny tafiky ny mpanjaka, izay tokony hanao ny tena asa amin'ny fanaovana tovon-tany. DH: "Ireo miaramilan'ny mpanjakan'ny Avaratra dia handraraka tany mba hanaovana tovon-tany"
Eto ny hoe "mpanjakan'ny Avaratra" dia mampiditra ny tafiny ihany koa. DH: "Ho avy ny tafiky ny mpanjakan'ny Avaratra"
Izany dia ilazana ny fivangongon'ny tany mba hahatonga ireo miaramila hahatratra ny hahavon'ny rindrin'ny tanàna hahafahana manafika azy ireo. Ireo miaramila sy andevo dia tokony hanary ny tany ao anaty harona, hitondra azy ireo amin'ny toerana marina, ary handraraka izany mba hampiakatra ny tovon-tany.
Ireo rindrina sy zavatra hafa dia naorina mba hiarovana ny tanàna na manda amin'ny fahavalo.
Eto ny fitsanganana dia maneho ny fahafahana miady. DH: "tsy ho afaka ny hijanona hiady hanohitra azy ireo"
"ny mpanjaka mpibodo dia hanao izay rehetra tiany hanohitra ny mpanjaka hafa"
Eto ny fitsanganana dia midika fitondrana. DH: "Hanomboka hitondra ny mpanjaka"
Ilazana ny tanin'Israely izany. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 8:9.
Eto ny "fandringanana" dia milaza ny hery handringanana. Ary koa, ny hery handringanana dia lazaina ho toy ny hoe zavatra azon'ny olona raisina amin'ny tanana izany. DH: "hanan-kery handringanana izy"
Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.
"nanapa-kevitra"
Hilazana ny herin'ny miaramila angamba izany. DH: "tonga miaraka amin'ny herin'ny tafiny rehetra"
Fomba mendrika hilazana ny "vehivavy" izany.
"hahatonga ny mpanjakan'ny Avaratra hanajanona ny mahampiavonavona azy"
"hahatonga ny mpanjakan'ny Avaratra hiaritra satria niavonavona tamin'ny hafa izy."
"ho liana ny mpanjakan'ny Avaratra"
Fomba hilazana izany fa ho faty izy. DH: "hanjavona izy" na "ho faty izy"
Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.
Ny fitsanganana eo amin'ny toeran'ny mpanjaka dia maneho ny maha-mpanjaka eo amin'ny toeran'ny mpanjaka teo aloha. DH: "hisy olon-kafa ho tonga mpanjakan'ny Avaratra amin'ny toeran'io mpanjaka io."
Ny mpamory hetra dia hanavatsava ny tany hanery ny olona handoa hetra. DH: "handefa olona mba handoavan'ny olona hetra"
Eto ny "izy" dia milaza ny mpanjaka vaovao. Ny fahatorotoroana fia maneho ny fahafatesana. DH: "ho faty ny mpanjaka vaovao"
Mety ho dikany ny hoe 1) tsy nisy na iza na iza tezitra tamin'ny mpanjaka, na 2) izany no nitazomana tsiambaratelo ny antony sy fotoan'ny fahafatesan'ny mpanjaka.
Mandà ny hiaiky azy ho mpanjaka ny olona satria tsy taranaky ny mpanjaka izy. DH: "ny olona izay hotsinontsinoavin'ny olona ary tsy homena voninahitra amin'ny maha-mpanjaka"
Ny fandraofana dia midika fahasimbana. DH: "Handrava tanteraka tafika goavana tahaka ny fandravan'ny safo-drano ny zava-drehetra eo amin'ny lalany ny tafiny."
DH: "Handrava io tafika io sy ny mpitarika ny fanekena izy"
Io andian-teny io dia milaza ny olona izay nahafeno ny toerana manan-danja indrindra ao amin'ny fanompoam-pivavahana izay nangatahin'Andriamanitra ao amin'ny fanekeny, izay an'ny mpisorona avo indrindra."
Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.
DH: "Raha misy mpitondra hafa manao fifanaraham-pihavanana miaraka aminy"
"hizarazara amin'ny mpanaraka azy"
"ireo zava-tsarobidy izay nalainy niaraka tamin'ny tafiny tamin'ireo olona resin'izy ireo."
Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.
Hery sy fo (izany hoe, herim-po) dia lazaina ho toy ny hoe olona izy ireo izay azon'ny olona fohazina mba hampihetsika azy ireo. DH: "hahatonga ny tenany ho feno hery sy ho tonga mahery fo"
Eto dia midika herim-po izany.
"miaraka amin'ny tafika lehibe izay havondrony"
"hiady aminy"
Ny hoe "tsy hianganna" dia midika faharesena. DH:" ho resy ny mpanjakan'ny Atsimo" na "ho resy ny tafiny"
Ilazana ny mpanolo-tsain'ny mpanjaka izany. Mahazatra ny mpanjaka ny misakafo miaraka amin'ny mpanolo-tsain'ny mpanjaka hatokisana indrindra. DH: "ny mpanolo-tsain'ny mpanjaka tsara indrindra"
Eto ny faharesena goavan'ny tafika dia lazaina ho toy ny tondra-drano izay mamaoka tanteraka izany. DH: "Handresy tanteraka ny tafiny ireo fahavalo" na "Hamotika tanteraka ny tafiny tahaka ny safo-drano mandrava ny zava-drehetra amin'ny lalany ny tafiny"
Eto ny hoe "lavo" dia fomba fiteny ilazana ny fahafatesana an'ady, ka ny hoe "lavo" sy "maty" dia midika zavatra mitovy. DH: "maro amin'ireo tafiny no maty an'ady"
Eto ny "fo" dia maneho ny fanirian'ny olona. Ny faniriana eto dia lazaina ho toy ny zavatra izay azon'ny olona apetraka na atoetra amin'ny toerana sasany. DH: "Ny tsirairay dia tapa-kevitra ny hanao ratsy ny hafa."
Ny fipetrahana amin'ny latabatra iray ihany dia maneho ny fihetsiky ny fifampiresahana.
"fa tsy hanampy azy ireo ny resak'izy ireo"
Izany dia miteny fa tsy hahomby ny fivorian'izy ireo. DH: "Ny vokatry ny asan'izy ireo dia ho tonga amin'ny fotoana izay nandraiketan'Andriamanitra azy ihany."
Izany dia ilazana ny fanirian'ny mpanjaka hanohitra ny faneken'Andriamanitra any Israely. DH: "harena. Hanapa-kevitra hanohitra ny fanekena masina izy."
Ilazana ny fanirian'ny mpanjaka izany.
Ny fanirian'ny mpanjaka hiasa manohitra ny fanekena masina dia manambara ny faniriany hanajanona ireo Israelita amin'ny fankatoavana izany fanekena izany. DH: "mba hanajanona ireo Israelita amin'ny fankatoavana ny fanekena masina."
Eto ny hoe "masina" dia manoritsoritra ny faneken'Andriamanitra tamin'i Israely. Milaza izany fa ny fanekena dia tokony hanome voninahitra sy hankatoavina satria avy amin'Andriamanitra tenany izany. DH: "Ny faneken'Andriamanitra, izay tokony hankatoavin'ny Israelita rehetra"
Milaza izany fa ny mpanjaka dia hanao hetsika eo amin'Israely. DH: "Hanao izay tiany ho an'i Israely izy" (UDB)
Ny sambo dia manehi ny tafika hoavy amin'ireo sambo ireo. DH: "hisy tafika hoavy avy any Kitima amin'ny sambo mba hiady amin'ny tafiny."
Mety hilazana fonenana ao amin'ny nosy Sipra any amin'ny Ranomasina Mediteranea.
"Ho tezitra be izy"
"hiasa araka ny sitrak'izy ireo" na "hanampy ireo"
"Hitranga ny tafiny" na "hoavy ny tafiny". ny teny hoe "-ny" dia ilazana ny mpanjakan'ny Avaratra.
"ny fitoerana masina izaynampiasain'ny olona ho toy ny fiarovana mafy"
Ny fakàna ny fanatitra dia milaza fampitandremana ny olona amin'ny fanaterana izany. DH: "Hanajanona ny mpisorona amin'ny fanehoana ny fanatitra dorana mahazatra izy ireo."
Izany dia ilazana ny sampy izay handravana ny tempoly, izany hoe, hahatonga an'Andriamanitra handao ny tempoly. DH: "ny sampy maharikoriko izay mahatonga an'Andriamanitra handao ny tempoly" na "ny zavatra maharikoriko izay mahaloto ny tempoly"
"tsy mankatò amin'ny fomba ratsy ny fanekena"
"mandresy lahatra azy ireo mba hanao ratsy"
Eto ny hoe "mahalala" dia midika hoe "mahatoky". DH: "izay mahatoky amin'Andriamanitr'izy ireo."
"hiaritra sy hanohitra azy ireo"
Eto ny hoe "lavo" dia maneho fahampian-traikefa amin'ny loza amin'ny karazany iray na ny hafa, tafiditra ao ny fahafatesana.
Ilazana ireo olon-kendry eo amin'i Israely izany.
Eto ny "sabatra" dia maneho ady sy ady lehibe. DH: "Ho faty an'ady izy ireo."
Eto ny "lela afo" dia maneho afo. DH: "ary amin'ny firehetana ho faty"
"amin'ny fahatongavana ho andevo"
DH: "Ireo fahavalon'izy ireo dia handroba azy ireo amin'ny fananan'izy ireo"
DH: "homen'ny hafa famonjena kely izy ireo"
Ilazana ireo olon-kafa izay mody hanampy ireo olon-kendry izany, fa tsy hoe noho izy ireo tena maniry ny hanampy azy ireo.
Eto ny hoe "hikambana amin'izy ireo" dia maneho hoe "tonga hamonjy". DH: "ho tonga hamonjy azy ireo"
Eto ny hoe "lavo" dia ilazana ny fanehoana loza sy ny karazany, tafiditra ao mbamin'ny fahafatesana.
Eto ny hoe "ka" dia midika hoe "ho vokatr'izany dia". DH: "ho vokatr'izany dia ho avy amin'izy ireo ny fandiovana."
Ireo hetsika telo ireo dia nambara ho toy ny hoe zavatra izy ireo. na izany aza, mety manambara asa izy ireo, na mivadi-drafitra na tso-drafitra. DH: "Hodiovina izy ireo, hosasana, ary hofotsiana" na "handio, hanasa, hanadio azy ireo ny fijalian'izy ireo."
Hitohy izany fijaliana izany ambara-pahatongan'ny fotoana izay hanapahan'Andriamanitra hevitra fa hifarana izany.
Ilazana ny fandiovana ny vy amin'ny fandrendrehana azy anaty afo izany. raha nanao ny olony hatoky kokoa Azy Andriamanitra, dia lazaina ho toy ny hoe vy izy ireo izay hodiovin'ny mpiasa kokoa amin'ny fanaovany azy anaty afo.
Ilazana ny fanaovana ny olona, toerana, na zavatra hety amin'ny fampiasan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fampisarahana azy ireo amin'ny ota na izay mety ho endrika ratsy. Lazaina hoe ratsy izay mety ho lotom-batana mety esorina amin'ny fisasana.
Io hevitra io dia tena mitovy amin'ny fandiovana, noresahina teo aloha. Ny vy izay voadio dia azo lazaina ihany koa oe nofotsiana.
"ny fara andro" na "ny faran'izao tontolo izao". Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 8:15.
Eto ny hoe "fotoana voatondro" dia milaza fa Andriamanitra dia mametraka ny fotoana. DH: "Nanao ny fotoana ho avy Andriamanitra."
"hanao izay tiany ny mpanjaka"
Ilazana ny mpanjakan'ny Avaratra izany.
Ny andian-teny hoe "Hanandra-tena" sy ny hoe "hanao ny tenany ho lehibe" dia midika zavatra mitovy ary manondro fa ho lasa mpirehareha ny mpanjaka.
Eto dia milaza izany hoe lasa mpirehareha loatra.
Eto dia milaza hoe mody zava-dehibe na feno hery izany.
"zava-mahatsiravina" na "zava-manafintohina"
Izany andian-teny izany dia manao sary an'Andriamanitra mitahiry ny fahavinirany mandra-pahafenon'ny trano fitehirizana tanteraka amin'izany ary vonona ny hiasa arak'izany Izy. DH: "mandrapaha-tezitra an'Andriamanitra tanteraka aminy" na "mandrapaha-tezitra an'Andriamanitra mba hanao hetsika hanohitra azy."
Ilazana Ilay Andriamanitra Tokana Marina izany. DH: "ny Andriamanitra Avo indrindra" na "Ilay Andriamanitra tokana marina"
Toa ilazana ny andriamanitra mpanompo sampy nantsoina hoe Tamozy izany.
Nino angamba ny mpanjaka fa io andriamani-tsy izy io hanampy azy hanafika ny fiarovana mafin'ny vahoaka hafa sy hiarovany ny fananany. DH: "ny andriamanitra izay mitantana ny fiarovana mafy."
Ny teny hoe "ireo" dia ilazana ire andriamanitra voalaza ao amin'ny 11:36.
Mety ho dikany ny hoe 1)"homeny ho valisoan'ireo mpanara-dia azy ny tany" na 2) hivarotra ny tany amin'ireo mpanara-dia azy ny tany.
"ny andro farany" na "ny fahataperan'izao tontolo izao". Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 8:15.
Ireo andian-teny ireo dia milaza ireo mpanjaka sy ireo tafiny. DH: "Ny mpanjakan'y Atsimo sy ny tafiny ... Ny mpanjakan'ny Avaratra sy ny tafiny"
Ny fanafihana mahery setra miaraka amin'ny tafika dia lazaina ho toy ny tafio-drivotra nipoitra. DH: "hanafika azy toy ny tafio-drivotra mahery" na "hanafika azy amin-kerisetra."
Rehefa manapaka ny firenena ny tafika, dia lazaina ho toy ny hoe tondra-drano tonga. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 11:10.
Tsy misy hanajanona ny tafika. DH: "hanenika ny tany ary tsy misy na iza na iza hanajanona azy."
Ilazana ny tanin'Israely izany. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 8:9 sy 11:15.
Eto ny fianjerana dia milaza ny hetsiky ny fahafatesana. DH: "ho faty"
Eto ny hoe "tanana" dia maneho hery. DH: "Fa ireo dia ho tafandositra amin'ny heriny" na "Fa ireo dia ho afaka hamotika ireo firenena ireo"
Ity dia mbola momban'ny mpanjakan'ny Avaratra.
Eto ny "tanana" dia maneho hery sy fanapahana. DH: "Hanitatra ny fanapahany amin'ny tany isan-karazany izy."
Eto ny heviny dia hoe tany maro na tany isan-karazany.
Afaka atao tso-drafitra izany. DH: "tsy ho avotra ny tany Egypta"
Eto ny "tongotra" dia maneho fanekena. DH: "Tsy maintsy hanompo azy ireo Lybiana sy ireo Etiopiana."
"ny vahoakan'i Lybia sy Etiopia". Lybia dia firenena andrefan'i Egypta, ary i Etiopia dia firenena Atsimon'i Egypta.
Ity dia mbola momban'ny mpanjakan'ny Avaratra.
Ny anarana "fahavinirana" dia afaka ambara amin'ny teny hoe "tezitra". Afaka ambara mazava izany hoe handeha hivoaka miaraka amin'ny tafiny izy. DH: "ho tezitra mafy izy ary hivoaka miaraka amin'ny tafiny" na "ho lasa tezitra mafy izy ary hivoaka miaraka amin'ny tafiny"
Eto dia maneho ny fihetsiky ny fanafihana ny fahavalo izany.
"mba hanimba olona maro"
Ilazana ny lay mihajan'ny mpanjaka izany izay nonenany tamin'izy niaraka tamin'ny tafika tamin'ny fotoan'ny ady.
Ilazana ny faritra anelanelan'ny Ranomasina Mediteranea sy ny Tendrombohitry ny Tempoly any Jerosalema angamba izany.
Ilazana ny tendrombohitra any Jerosalema izay nisy ny tempolin'Andriamanitra izany. Jereo hoe ahoana no nandikanao ny zavatra tahaka izany ao amin'ny 9:15 sy 9:20.
1 "Amin'izany fotoana izany i Mikaela, ilay andriandahy lehibe izay miambina ny vahoakanareo, dia hitsangana. Hisy fotoan'ny fahoriana izay tsy mbola nisy hatramin'ny niandohan'ny firenena hatramin'izany andro izany. Amin'izany fotoana izany ny vahoakanao dia ho voavonjy, dia izay rehetra hita fa voasoratra anarana ao amin'ny boky. 2 Maro amin'izay mandry amin'ny vovoky ny tany no hitsangana, ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin'ny fahamenarana sy fanamavoana mandrakizay. 3 Ireo izay hendry dia hamirapiratra toy ny hazavan'ny lanitra ambony, ary ireo hamerina ny maro amin'ny fahamarinana, dia toy ireo kintana mandrakizay doria. 4 Fa ianao, ry Daniela, ahorony ireo teny ireo; tehirizo ho voaisy tombokase ny boky mandra-pahatonga ny fotoanan'ny farany. Maro no hihazakazaka etsy sy eroa, ary hitombo ny fahalalana." 5 Ary izaho, Daniela, nijery, ka nisy roa hafa nitsangana. Ny iray nitsangana teto amoron'ny ony, ary ny anankiray tetsy ankilany amoron'ny ony. 6 Ny iray tamin'izy ireo niteny tamin'ilay lehilahy miakanjo rongony fotsy, izay teo ambonin'ny ony hoe: "Mandra-pahoviana no hiafaran'ireto zava-mahagaga ireto?" 7 Reko ilay lehilahy miakanjo rongony fotsy, izay teo ambonin'ny ony—nanandratra ny tanany ankavanana sy ny tanany ankavia tamin'ny lanitra izy ka nihaniana tamin'ilay iray izay velona mandrakizay fa ho fotoana iray, fotoana roa, sy atsasam-potoana izany. Rehefa nopotehina ihany ny herin'ny olona masina, dia ho tanteraka avokoa ireo zavatra rehetra ireo. 8 Nandre aho, fa tsy nahatakatra. Koa nanontany aho hoe: "Ry tompoko, inona no ho vokatra amin'ireto zavatra rehetra ireto?" 9 Hoy izy: "Mandehana amin'ny lalanao, ry Daniela, fa ny teny dia efa voahorona sy voaisy tombokase mandra-pahatongan'ilay fotoana farany. 10 Maro no ho diovina, ho voasasa, ary ho voafotsy, fa ny ratsy fanahy hanao faharatsiana. Tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahatakatra, fa ireo izay hendry no hahatakatra. 11 Hatramin'ny fotoan'ny fampitsaharana ny fanatitra dorana mahazatra sy ny fametrahana ny fahavetavetana izay mitondra ny fandravana tanteraka, dia hisy andro 1 290. 12 Sambatra izay miandry hatramin'ny fiafaran'ny 1. 335 andro. 13 Tsy maintsy mandeha amin'ny lalanao hatramin'ny farany ianao, ary hitsahatra ianao. Hitsangana eo amin'ny toerana voatondro ho anao ianao, amin'ireo andro farany."
Ilay anjely niseho tamin'i Daniela ao amin'ny 10:4 dia mitohy miteny.
I Mikaela dia arkanjely. Eto izy dia nomena anarana ihany koa hoe "andriandahy lehibe"
Eto ny hoe "mitsangana" dia fomba fiteny izay midika hoe miseho. DH: "Mikaela ... hiseho"
Azo atao tso-drafitra izany. Azonao azavaina izany amin'ny hoe hamonjy ny vahoaka Andriamanitra. DH: "Hamonjy ny vahoakano Andriamanitra."
Azo atao tso-drafitra izany. Azona azavaina izany amin'ny hoe manoratra anarana ao amin'ny boky Andriamanitra. DH: "izay rehetra nosoratan'Andriamanitra ao amin'ny boky ny anarany."
Ny andian-teny hoe "mandry amin'ny vovoky ny tany" dia fomba hafa hilazana ireo efa maty. Eto ny hoe "hitsangana" dia fomba fiteny izay midika hoe hiverina amin'ny fiainana. DH: "ireo izay maty dia hiverina amin'ny fiainana."
Ilazana ny vahoakan'Andriamanitra izany izay hizara ny fahendren'izy ireo amin'ireo manodidina azy.
Izany dia ilazana ireo izay manampy ny hafa hahatakatra fa nisaraka tamin'Andriamanitra izy ireo, tahaka ny hoe niova lalana tamin'izay nalehany izy ireo. DH: "ireo izay mampianatra ny hafa hiaina amim-pahamarinana"
Ireo olona ireo dia noharina tamin'ny kintana mamiratra. DH: "ireo izay mamerina... dia hamirapiratra toy ny kintana mandrakizay doria."
Eto ny hoe "teny" dia manambara ny boky. DH: "akombony io boky io ary tehirizy hitombokase."
"ny fara-andro" na "ny fiafaran'izao tontolo izao". Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 8:15.
Izany dia toa hitranga mialohan'ny "fotoan'ny farany" manditra izany fotoana izany no hanaovana tombokase ny boky. DH: "Alohan'ny hitrangan'izany, maro ny olona hivezivezy etsy sy eroa, hianatra momba ny zavatra maro hatrany hatrany." (UDB)
Nandeha i Daniela mba hiteny izay hitany manaraka tamin'ny fahitany izay nanomboka tao amin'ny 10:1.
"nisy anjely roa hafa nitsangana"
Izany dia ilazana ny anjely izay niseho tamin'i Daniela ao amin'ny 10:4, fa tsy iray tamin'ireo anjely nitsangana nanamorona ny ony.
Mety ho dikany ny hoe 1) ilay anjely niakanjo rongony fotsy dia teo ambonin'ny ony na 2) ilay anjely dia lavitry ny fiambonian'ny ony.
"Mandra-pahoviana ny faran'ireny zava-mahagaga ireny?" Ilazana ny fotoana hatramin'ny fiandohana ka hatramin'ny fiafaran'ny zava-mitranga izany.
Tamin'ny fotoana niresahan'ny anjely tamin'i Daniela, dia tsy nisy tamin'ireo zava-nitranga tao amin'ny fahitana niseho. Ilazana ny zava-mitranga ao amin'ny 12:1 mihitsy izany, ary mety ho tafiditra ao ihany koa ny zava-mitranga tamin'ny fahitana avy ao amin'ny toko faha11.
DH: "ilay lehilahy izay nitafy rongony fotsy" na "ilay anjely izay nitafy rongony fotsy."
Mety ho dikany ny hoe 1) ilay lehilahy niakanjo rongony fotsy dia teo ambonin'ny ony na 2) ilay lehilahy dia lavitry ny fiambonian'ny ony.
"Andriamanitra, izay velona mandrakizay"
Ny tsara indrindra dia ny mamela izany hifangaro toy ny tany am-piandohana. Raha tsy maintsy hisafidy teboka hiaingana ianao, ny telo taona sy tapany dia mety ho niantomboka tamin'ny hetsika ao amin'ny 12:1
"telo taona sy tapany" (UDB). Ireo "fotoana" ireo dia matetika takatra amin'ny filazana azy ho taona. Iray sy roa ary antsasany mira telo sy tapany.
DH: "ireo zavatra rehetra ireo dia tsy maintsy hitranga"
Tamin'ny fotoana niresahan'ilay lehilahy niakanjo rongony fotsy tamin'i Daniela, dia tsy nisy tamin'ireo hetsika tao amin'ny fahitana nitranga. Ilazana ny hetsika ao amin'ny 12:1 izany, ary mety ho tafiditra ao ny hetsika tamin'ny fahitana ao amin'ny toko faha 11.
Ilay anjely niakanjo rongony fotsy dia nolazain'i Daniela hoe "ry tompoko" mba hanehoany fanajana ilay anjely.
Tamin'ny fotoana niresahan'ilay lehilahy niakanjo rongony fotsy tamin'i Daniela, dia tsy nisy tamin'ireo hetsika tao amin'ny fahitana nitranga. Ilazana ny hetsika ao amin'ny 12:1 izany, ary mety ho tafiditra ao ny hetsika tamin'ny fahitana ao amin'ny toko faha 11.
Ny fahitana nomena an'i Daniela dia tsy nazavaina. Voaisy tombokase ny boky ka tsy nisy na iza na iza afaka manokatra izany. DH: "fa ianao dia nanidy sy nanisy tombokase ny teny izay voasoratrao"
"ny fara andro" na "ny fiafaran'izao tontolo izao." Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 8:15.
Mitohy miresaka amin'i Daniela ilay anjely miakanjo rongony fotsy.
Yaveh no hanao ny fandiovana. Ireo teny telo ireo dia midika zavatra mitovy. DH: "Handio i Yaveh, hanasa, ary hamotsy olona maro."
voadio amin'ny alalan'ny fanesorana zavatra izay tsy azy ireo.
Ny olona ratsy fanahy dia hanao zavatra ratsy na feno fahotana.
Ny olona ratsy fanahy dia tsy afaka hahatakatra fahalalana ara-panahy.
Izany dia ilazana hoe ireo hendry tamin'ny fankatoavana an'i Yaveh no hahatakatra.
Ny mpanjakan'ny Avaratra no iray amin'izay hanajanona ny sorona. DH: "ny mpanjakan'ny Avaratra hampitsahatra ny fanatitra dorana mahazatra ary hametraka ny fahavetavetana izay mahatonga fandravana tanteraka."
Ilazana ny sampy izay hahatonga ny tempoly ho lao izany, izany hoe, izay hahatonga an'Andriamanitra handao ny tempoly. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 11:31. DH: "ny sampy maharikoriko izay hahatonga an'Andriamanitra handao ny tempoly" na "Ny zava-maharikoriko izay hahatonga ny tempoly haloto."
Eto ny "andro" dia ilazana vanim-potoana. Matetika ny fandikana iraisana dia andro, fa azo atao taona ihany koa.
Mitohy miresaka amin'i Daniela ilay anjely miakanjo rongony fotsy.
"Sambatra ny olona izay miandry" na "Sambatra izay miandry na iza na iza"
"maharitra" na "mitoetra ho mahatoky" (UDB)
Eto ny "andro" dia ilazana vanim-potoana. Matetika ny fandikana iraisana dia andro, fa azo atao taona ihany koa.
"Ry Daniela, tsy maintsy mandeha ianao". Ilazana an'i Daniela mbola manohy miaina sy manompo ny mpanjaka mandra-pahatongan'ny fotoan'ny fahafatesany izany.
Fomba mendrika hilazana hoe "ho faty ianao" izany.
Ilazana ny Fitsanganana amin'ny maty Voalohany izany rehefa hasandratra ireo olo-marina.
"Ny toerana notondroin'Andriamanitra ho anao."
1 Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Hosea zanaka lahin'i Bery tamin'ny andron'i Ozia, Jotama, Ahaza sy Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ary tamin'ny andron'i Jeroboama zanaka lahin'i Joasy, mpanjakan'Israely. 2 Ary Yaveh raha niteny tamin'ny alalan'i Hosea voalohany, dia hoy Izy taminy hoe: "Mandehana, makà vady izay mpijangajanga ho anao. Hanan-janaka izay vokatry ny fijangajangany izy. Fa manao fijangajangana lehibe amin'ny fahafoizana an'i Yaveh ny tany." 3 Koa dia lasa i Hosea ka nanambady an'i Gomera zanaka vavin'i Diblaima, ary nitoe-jaza izy ka niteraka zazalahy taminy. 4 Hoy Yaveh tamin'i Hosea hoe: "Ataovy hoe Jezirela ny anarany. Fa ao anatin'ny fotoana fohy dia hanasazy ny ankohonan'i Jeho Aho nohon'ny fandatsahan-drà tany Jezirela, ary hamarana ny fanjakan'ny ankohonan'Israely Aho. 5 Amin'izany andro izany dia ho tapahiko ao amin'ny Lohasahan'i Jezirela ny tsipìkan'Israely." 6 Nitoe-jaza indray i Gomera ary niteraka zazavavy. Ary hoy Yaveh tamin'i Hosea hoe: "Ataovy hoe Lò-rohama ny anarany, fa tsy hanana indra-fo amin'ny ankohonan'Israely intsony Aho, ka tsy avelako mihitsy ny helok'izy ireo. 7 Fa kosa hanana famindram-po amin'ny ankohonan'i Joda Aho, ary hanavotra azy ireo ny tenako, Yaveh Andriamanitr'izy ireo. Tsy hamonjy azy ireo amin'ny tsipìka, sabatra, ady, soavaly, na mpitaingin-tsoavaly Aho." 8 Ary rehefa avy nampisara-nono an'i Lò-rohama i Gomera, dia nitoe-jaza ary niteraka zazalahy hafa indray izy. 9 Dia hoy Yaveh hoe: "Ataovy hoe Lò-amy ny anarany, fa ianareo dia tsy vahoakako, ary Izaho tsy Andriamanitrareo. 10 Fa ny isan'ny ankohonan'Israely kosa dia ho tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hay afatra na isaina. Ary amin'ny toerana izay nitenenana tamin'izy ireo hoe: 'Tsy oloko ianareo,' no hilazana amin'izy ireo hoe: 'Olon'ilay Andriamanitra velona ianareo.' 11 Hiangona ny mponin'i Joda sy ny mponin'Israely. Hanendry mpitarika iray ho azy izy ireo, ary hiakatra avy amin'ny tany izy ireo, fa ho lehibe ny andron'i Jezirela.
Fomba fiteny io. DH: "ny teny izay nolazain'i Yaveh"
Anaran-dehilahy io
Ireo tranga ato amin'ity boky ity dia niseho tamin'ny andron'ireo mpanjaka ireo.
Io no anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny olona ao amin'ny Testamenta Taloha. Mahakasika ny fomba tokony handikana izany dia jereo ny pejin'ny fandikana ny Teny momba an'i Yaveh.
Eto ny "fijangajangana" dia ilazana ny olona tsy mahatoky amin'Andriamanitra.
Anaran'olona ireo.
Ny "ankohonana" dia midika hoe "fianakaviana," ao anatin'izany ny taranak'i Jeho.
Ilazana ny fanjakan'Israely io fomba fiteny io.
Eto ny "tsipìka" dia ilazana ny herin-tafika. DH: "herin-tafik'Israely"
Ny dikan'io anarana io dia "tsy misy fiantrana." Afaka misafidy ny haneho ny dikan'ilay anarana ny mpandika teny. DH: "Tsy Misy Fiantrana"
Ny dikan'io anarana io dia "tsy misy fiantrana." Afaka misafidy ny haneho ny dikan'ilay anarana ny mpandika teny. DH: "Tsy Misy Fiantrana" Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:6.
Ny dikan'io anarana io dia "tsy oloko." Afaka misafidy ny haneho ny dikan'ilay anarana ny mpandika teny. DH: "Tsy Oloko"
Miresaka amin'i Hosea i Yaveh.
Manamafy ny habetsak'ireo Israelita io.
Io dia azo atao hoe DH: "tsy izay tsy azon'iza na iza afatra na isaina"
Io dia azo atao hoe DH: "Izay nilazan'Andriamanitra tamin'izy ireo hoe"
Mety manondro an'i Jezirela io teny io, izay tanàna nanaovan'ireo mpanjakan'Israely heloka bevava, ary izay mariky ny famaizan'Andriamanitra azy ireo.
Io dia azo atao hoe DH: "No hilazan'Andriamanitra amin'izy ireo hoe"
Io dia azo atao hoe DH: "Ho angonin'Andriamanitra izy ireo"
Mety ilazana ny tany izay nahababo ny vahoakan'Israely io.
Manondro ny fotoana izay hametrahan'Andriamanitra ny olony ao amin'ny tanin'Israely indray io. Ny hevitr'io fanambarana io feno dia azo atao mazava.
1 Lazao amin'ireo rahalahinao hoe: 'Ry vahoakako!' ary amin'ireo anabavinao hoe: 'Efa nanehoana fangorahana ianareo.'" 2 Manaova fitoriana hanohitra ny reninao, Manaova fitoriana, satria tsy vadiko izy, ary Izaho tsy vadiny. Aoka izy hanala ny fivarotan-tenany tsy ho eo anoloany, sy ireo fihetsika fijangajangany tsy ho eo anelanelan'ny nonony. 3 Raha tsy izany, haboridako izy ka hasehoko ny fitanjahany tahaka ny tamin'ny andro nahaterahany. Hataoko tahaka ny efitra izy, tahaka ny tany karakaina, ary hataoko matin'ny hetaheta izy. 4 Tsy hanana indra-fo amin'ireo zanany Aho, satria zanaky ny fivarotan-tena izy ireo. 5 Satria ny renin'izy ireo dia efa mpivaro-tena, ary izy izay nitondra vohoka azy ireo dia efa nanao fihetsika mahamenatra. Hoy izy hoe: "Hanaraka ireo olon-tiako aho, satria izy ireo no nanome mofo sy rano ho ahy, ny volon'ondry sy rongoniko, ny diloiloko sy rano." 6 Noho izany dia hanangana fefy misy tsilo hanakana ny lalany Aho. Hanangana manda hanohitra azy Aho ka tsy hahita ny lalany izy. 7 Hanenjika ireo olon-tiany izy, kanefa tsy hahatratra azy ireo. Hitady azy ireo izy, kanefa tsy hahita azy ireo. Ary hilaza izy avy eo hoe: "Hiverina amin'ny vadiko voalohany aho, satria izany no mety amiko kokoa noho izao." 8 Satria tsy fantany fa Izaho ilay nanome azy vary, divay vaovao sy diloilo, ary nanafotafo volafotsy sy volamena azy, izay nampiasain'izy ireo ho an'i Bala avy eo. 9 Koa halaiko indray ny variny amin'ny fotoam-pijinjana, ary ny divaiko vaovao amin'ny fotoanany. Halaiko indray ny volon'ondriko sy ny rongoniko izay nampiasaina mba hanafenana ny fitanjahany. 10 Ary havelako hitanjaka eo imason'ireo olon-tiany izy, ary tsy hisy na iza na iza hahavonjy azy eo an-tanako. 11 Hampitsahatra ny fankalazany rehetra ihany koa Aho— ireo fanasany, ireo fankalazany ny volana vaovao, ireo Sabatany, ary ireo andro firavoravoany voatondro rehetra. 12 "Hamotika ireo voalobony sy ireo hazon'aviaviny Aho, izay efa nilazany hoe: 'Ireto no tamby izay nomen'ireo olon-tiako ahy.' Hataoko ho ala ireo, ary ireo bibin'ny saha hihinana izany. 13 Hanasazy azy nohon'ny andro firavoravoan'ireo Bala Aho, rehefa nandoro ditin-kazo manitra ho azy ireo izy, rehefa nanaingo ny tenany tamin'ny perany sy ny firavany izy, ary nanaraka ireo olon-tiany izy ka nanadino Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh." 14 Koa efa mby amin'ny famerenana azy Aho. Hitondra azy ho any an-tany efitra Aho ka hiteny amim-pitiavana aminy. 15 Hamerina ireo tanim-boalobony Aho, ary ny Lohasahan'ny Akora ho vavahadin'ny fanantenana. Hamaly Ahy ao izy tahaka ny nataony tamin'ireo androm-pahatanorany, tahaka ny tamin'ireo andro izay nivoahany ny tany Egypta. 16 "Koa ho amin'izany andro izany— izany no fanambaran'i Yaveh—dia hiantso Ahy ianao hoe: 'Vadiko,' ary tsy hiantso Ahy intsony ianao hoe: 'Balako'. 17 Fa ho esoriko eo am-bavany ireo anaran'ireo Bala; tsy ho tsaroana intsony ny anaran'izy ireo." 18 "Amin'izany andro izany dia hanao fanekena amin'izy ireo miaraka amin'ireo biby any an-tsaha, miaraka amin'ireo vorona eny amin'ny habakabaka, ary miaraka amin'ireo zava-mandady amin'ny tany rehetra Aho. Ho esoriko tsy ho amin'ny tany intsony ny tsipìka, ny sabatra, sy ny ady, ary hataoko mandry fahizay ianao. 19 Hampanantena ny ho vadinao mandrakizay Aho. Hampanantena ny ho vadinao amin'ny fahamarinana, ny rariny, ny tsy fivadiham-panekena, ary famindram-po Aho. 20 Mianiana amin'ny tenako amim-pahatokiana ho anao Aho, ka ho fantatrao i Yaveh. 21 Amin'izany andro izany, dia hamaly Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—hamaly ny lanitra Aho, ary ireo hamaly ny tany. 22 Ny tany hamaly ny vary, ny voaloboka vaovao sy ny diloilo, ary izy ireo hamaly an'i Jezirela. 23 Hamboleko ho Ahy eo amin'ny tany izy, ary hanana famindram-po ao amin'ny Lò-rohama Aho. Hiteny amin'i Lò-amy Aho hoe: 'Ianao no oloko,' ary izy ireo hanao Amiko hoe: 'Ianao no Andriamanitro.'"
Miresaka amin'i Hosea i Yaveh.
Ity fehezanteny manaitra ity dia azo atao fanambarana tsotra. DH: "Oloko ianareo!"
Io dia azo atao hoe DH: "Naneho fangorahana taminareo Yaveh"
"hatsaram-panahy" na "famindrampo"
Miresaka amin'i Hosea i Yaveh.
Io dia fitarainana ataon'ny olona iray amin'ny olona iray hafa any amin'ny fitsarana.
Eto ny "reny" dia manondro ny firenen'Israely.
Ambaran'i Yaveh fa Israely, izay resahina toy ny hoe vehivavy, dia tsy manao fihetsika tahaka ny vady amin'i Yaveh intsony. Fa kosa, niala tamin'ny fanarahana sy fanompoana Azy Israely.
Tsy afaka miaraka amin'ny firenen'Israely intsony Yaveh tahaka ny ataon'ny lehilahy amin'ny vadiny.
Ny vady mpijangajanga dia mandao ny vadiny mba hiaraka amin'ny lehilahy hafa. Izany no fomba fanaon'Israely amin'i Yaveh.
Io kisarisary io dia manolo-kevitra fa miantehitra amin'ny sampy Israely fa tsy Yaveh.
Tsy hiaro na hamatsy ho an'Israely intsony Yaveh satria niala taminy io firenena io. Tany Israely, ny lehilahy dia noteren'ny lalàna hanome fitafiana ho an'ny vadiny. Ny tsy fanaovana izany dia marika fa mandà ny vadiny ny lehilahy iray. Ny hevitr'izany feno dia azo atao mazava.
Hovain'i Yaveh ho tahaka ny tany efitra Israely, izay faritra ngazana sy tsy mamokatra.
Ny "hetaheta" dia ilazana ny filana ny fanompoana sy ny fianteherana amin'i Yaveh, fa tsy amin'ny sampy, raha tsy izany dia tsy ho afaka ny ho velona amin'ny maha-firenena Israely.
Miresaka amin'i Hosea i Yaveh.
Ataon'ireo Israelita toy ny hoe tsy an'i Yaveh izy ireo. Tahaka ny tsy nanompoan'ny ray aman-drenin'izy ireo an'Andriamanitra, no tsy nanompoany koa.
Ny taranaka teo aloha izay nitady andriamin-kafa dia noraisina ho moijangajanga satria tsy nahatoky tamin'i Yaveh.
Eto ny hoe "ireo olon-tiako" dia manondro an'i Bala sy ireo andriamanitra sandoka hafa, izay nosafidian'Isarely ho tompoina fa tsy Andriamanitra kosa. Ireo zavatra notanisaina ireo dia zavatra manan-danja izay mamela ny olona hivelona.
Miresaka amin'i Hosea i Yaveh.
Ity andalana ity dia mampiseho fa hisakana ny olona tsy hahita fahombiazana sy fanambinana Yaveh, satria manohy manompo sampy izy ireo.
Hiverina amin'i Yaveh Israely, tsy nohon'ny fitiavany Azy, fa satria diso fanantenana tamin'ny fanompoany an'i Bala izy ireo.
Miresaka amin'i Hosea i Yaveh.
Mety midika izany fa tsy ho vanona ny vokatra st ny biby fiompin'Israely. Ho esorin'i Yaveh amin'Israely ny fitahiany, ary ho tavela irery ny vahoaka sady ambava-lozan'ny fanafihana.
Io dia azo atao hoe DH: "izay nanafian'ny olona ny tenany"
Miresaka amin'i Hosea i Yaveh.
Midika izany fa hanala baraka ny vahoakan'Israely eo anatrehan'ny firenena hafa manodidina Yaveh. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:2.
Tsy hisy hiezaka hanampy an'Israely. Eto ny "tanana" dia maneho ny fahefan'i Yaveh hanafay.
Miresaka amin'i Hosea momba izay hataony amin'Israely i Yaveh.
Maneho ny tambiny azon'Israely avy amin'ireo andriamanitra sandoka na Bala io. DH: "fa ireo no tambiny izay nomen'ireo olon-tiany azy"
Ho potehin'i Yaveh amin'ny famelana hazo hafa sy ahi-dratsy haniry eo ny tanim-boaloboka sy ireo hazo fihinam-boa.
"izay nambaran'i Yaveh" na "izay nolazain'i Yaveh tamin'ny fomba manetriketrika"
Miresaka momba an'Israely Yaveh.
"Izaho, Yaveh, no hamerina azy amiko"
Tahaka ny nitondran'i Yaveh an'Israely nivoaka an'i Egypta, dia hitondra an'Israely ho any amin'ny Lohasahan'i Akora Izy mba hanantenan'Israely an'i Yaveh indray. Ny Lohasahan'ny Akora dia toerana izay nanorahan'Israely an'i Akana tamin'ny vato mba ho faty araka ny nandidian'Andriamanitra, satria tsy nankato ny torolalan'i Yaveh i Akana. Azo atao mazava ny hevitra fenon'io.
Antenain'i Yaveh fa hibebaka ny firenen'Israely ary hifidy ny hanomoi Azy ho Andriamaniny indray.
Ny dikan-teny sasany dia mihevitra fa "hihira izy'' no hevitr'io amin'ny teny Hebreo.
Manondro ny andro izay hisafidian'Israely hanompo an'i Yaveh irery izany.
"izay nambaran'i Yaveh" na "izay nolazain'i Yaveh tamin'ny fomba manetriketrika." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:12.
Midika izany fa hitia sy hahatoky amin'i Yaveh tahaka ny vehivavy amin'ny vadiny ny vahoakan'Israely.
Ny hoe "Bala" dia midika hoe "tompo" ary manondro ilay andriamanitra sandoka izay notompoin'ireo Kananita.
Tsy hilaza ny anaran'i Bala sy ireo sampy intsony ireo Israelita.
Miresaka amin'i Hosea momba izay hataony amin'Israely i Yaveh.
Io andian-teny io dia ampiasaina mba hiresahana momba ny fanarenana ho avy eo amin'Israely sy Yaveh.
Tafiditra ao amin'ny faneken'i Yaveh vaovao ny fiadanana ho an'ny biby.
Ho sakanan'i Yaveh lavitra an'Israely ireo fahavalony, tsy hisy ady intsony, hilamina ny vahoaka.
Io fomba fiteny io dia ilazana ny fiainana am-pilaminana.
Miresaka amin'i Hosea momba izay hataony amin'Israely i Yaveh.
Ho tahaka ny vady i Yaveh, ary Israely ho tahaka ny vadin'i Yaveh.
Tsy hivadika amin'ny fanekeny amin'Israely i Yaveh.
"vady mahatoky"
Eto ny hoe "fantatrao" dia midika hoe manaiky an'i Yaveh ho Andriamaniny ary tsy hivadika aminy.
Miresaka amin'i Hosea momba izay hataony amin'Israely i Yaveh.
"izay nambaran'i Yaveh" na "izay nolazain'i Yaveh tamin'ny fomba manetriketrika." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:12.
Hahatanteraka ny filàna vary, divay vaovao, ary menaka oliva ny tany. Ireo zavatra ireo ihany koa no hanatanteraka ny filàn'i Jezirela. Ny tany sy ireo vokatra ireo dia resahina toy ny hoe olona izay afaka manatanteraka ny filàn'ny hafa.
Eto ny anaran'io lohasaha io dia ilazana ny vahoakan'Israely.
Miresaka amin'i Hosea momba izay hataony amin'Israely i Yaveh.
Rehefa ataon'Andriamanitra milamina sy ambinina eo amin'ny taniny indray ny olony, dia toy ny hoe voly no firesaka azy ireo. DH: "Hikarakara ireo vahoaka Israelita tahaka ny fambolen'ny mpamboly ny voliny sy fikarakarany izany aho"
Ny dikan'io anarana io dia "tsy misy fiantrana." Afaka misafidy ny haneho ny dikan'ilay anarana ny mpandika teny. Jereo ny nandikanao izay ao amin'ny 1:6. DH: "Tsy Misy Fiantrana"
Ny dikan'io anarana io dia "tsy oloko." Afaka misafidy ny haneho ny dikan'ilay anarana ny mpandika teny. Jereo ny nandikanao izay ao amin'ny 1:8. DH: "Tsy Oloko"
1 Yaveh niteny tamiko hoe: "Mandehana indray, mitiava vehivavy iray, izay notiavin'ny vadiny, kanefa mpijangajanga. Tiavo tahaka ny itiavako, Yaveh, ny vahoakan'Israely izy, na dia mihodina ho amin'ny andriamani-kafa sy mankafy mofo vita amin'ny voaloboka aza izy ireo." 2 Koa novidiako sekely volafotsy dimy ambin'ny folo ho Ahy sy vary hordea homera iray sy tapany izy. 3 Hoy Aho taminy hoe: "Tsy maintsy miara-mipetraka Amiko mandritra ny andro maro ianao. Tsy ho mpijangajana ianao na ho an'ny lehilahy hafa. Tahaka izany ihany, no hiarahako aminao." 4 Fa ireo olon'Israely dia hiaina andro maro tsy misy mpanjaka, andrian-dahy, sorona, andry vato, efoda na sampin-trano. 5 Ary avy eo ny olon'Israely dia hiverina ary hitady an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo sy Davida mpanjakan'izy ireo, ary amin'ireo andro farany, dia ho avy amin-kovitra eo anatrehan'i Yaveh sy ny hatsarany izy ireo.
Miverina maneho ny ao amin'ny 1:1 indray io. Miteny amin'i Hosea mba hitia vehivavy mpijangajanga indray Yaveh.
Amin'ny fitiavana ilay vehivavy mpijangajana, dia ho ohatry ny fitiavan'i Yaveh an'Israely i Hosea.
Nihinana mofo voaloboka na ampempan'aviavy ny olona nandritra ny firavoravoana izay nanompoan'izy ireo ny andriamanitra sandok'izy ireo.
Io no sarany aloa hividianana andevo.
"volafotsy 15"
Tahaka ny niainan'i Hosea tsy niaraka tamin'ny vadiny satria nijangajanga, dia hiaina tsy hisy mpanjaka sy tsy hanompo an'Andriamanitra ihany koa Israely, satria nanao fanompoan-tsampy.
Eto ny hoe "hitady" dia midika fa mangataka an'Andriamanitra mba hanaiky azy ireo sy ny fivavahany izy ireo.
Eto "Davida" dia maneho ny taranak'i Davida rehetra. DH: "taranak'i Davida mba ho mpanjakan'izy ireo"
Eto "ireo andro farany" dia ilazana ny fe-potoana amin'ny ho avy. DH: "amin'ny ho avy"
Eto ny hoe "amin-kovitra" dia ilazana ny fahatairana sy ny fanetre-tena. DH: "hiverina amin'i Yaveh izy ireo ka hanetry tena, hanaja Azy, ary hangataka ny fitahiany"
1 Henoy ny Tenin'i Yaveh, ianareo ry vahoakan' Israely. Manao fitoriana amin'ny mponin'ny tany i Yaveh, satria tsy misy fahamarinana na fanekena mahatoky ao, tsy misy fahalalana an'Andriamanitra ao amin'ny tany. 2 Misy ozona, lainga, famonoana, halatra sy fijangajangana ao. Nopotehan'ny vahoaka ny fatotra rehetra, ary ny miampy manaraka ny fandatsahan-drà. 3 Ka mihamaina ny tany, ary ketraka izay rehetra monina amin'izany; ireo bibi-dia any an-tsaha sy ny vorona eny amin'ny lanitra, na ny trondro any anaty ranomasina aza, dia esorina. 4 Fa aza mamela na iza na iza hanao fitoriana; aza mamela na iza na iza hiampanga ny hafa. Fa ianareo izany, ry mpisorona, izay ampangaiko. 5 Ho tafintohina ianareo mpisorona mandritra ny andro; ho tafintohina miaraka aminareo ihany koa ireo mpaminany amin'ny alina, ary ho potehiko ny reninareo. 6 Ringana ny oloko nohon'ny tsy fahampian'ny fahalalana. Satria efa nandà ny fahalalana ianareo mpisorona, Izaho ihany koa dia handà anareo amin'ny maha mpisorona ho Ahy. Satria nohadinoinareo ny lalàko, na dia Andriamanitrareo aza Aho, dia hanadino ireo zanakareo ihany koa Aho. 7 Arakaraka ny hitomboan'ny mpisorona, no hanotan'izy ireo Amiko. Natakalon'izy ireo henatra ny voninahitr'izy ireo. 8 Mihinana ny fahotan'ny vahoakako izy ireo; mangetahetan'ny faharatsiany bebe kokoa izy ireo. 9 Hitovy ihany ho an'ny vahoaka sy ho an'ireo mpisorona: hanafay azy rehetra nohon'ny fanaony Aho; hamaly azy ireo noho ny asany Aho. 10 Hihinana izy ireo fa tsy ho voky; hanatanteraka fijangajangana izy ireo fa tsy hitombo, satria nanalavitra an'i Yaveh izy ireo. 11 Tia fijangajangana mamoa-fady, divay, ary divay vaovao izy ireo, izay nanala ny fahazavan-tsain'izy ireo. 12 Manontany ireo sampiny hazo ny oloko, ary ny tapa-kazon'izy ireo nanome faminaniana ho azy ireo. Fa namitaka azy ireo ny fanahin'ny fijangajangana, ary nitondra tena toy ny mpijangajanga izy ireo raha tokony nahatoky ny Andriamanitr'izy ireo 13 Manao sorona eny an-tampon-tendrombohitra izy ireo ary mandoro ditin-kazo manitra eny amin'ireo havoana, ambanin'ny hazo oka, popola sy terebinta, satria tsara ny alokaloka. Ka fahavetavaetana ara-nofo ireo zanakareo vavinareo, ary ireo vinanto vavinareo mijangajanga. 14 Tsy hanafay ireo zanakareo vavy Aho rehefa misafidy ny hanao fahavetavetana ara-nofo izy ireo, na ny vinanto vavinareo rehefa mijangajanga izy ireo. Fa ireo lehilahy ihany koa dia manolotra ny tenany ho an'ireo mpijangajanga, ary manolotra sorona izy ireo ka afaka manao asa maloto miaraka amin'ireo mpivaro-tena masina. Koa ho atsipy any ity vahoaka izay tsy mahalala ity. 15 Fa ianao, ry Israely, na dia nanao fijangajangana aza, dia enga anie Joda tsy ho tonga meloka. Aza mandeha any Gilgala, ianao ry vahoaka; aza mandeha miakatra any Betavena, ary aza mianiana, manao hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh." 16 Fa Israely dia nitondra tena tamin'ny fahamafisan-doha, tahaka ny ombivavy mafy loha. Ahoana no hitondran'i Yaveh azy ireo eny amin'ny fihinanam-bilona tahaka ny zanak'ondry any amin'ny tanin'ahitra? 17 Nampiray ny tenany tamin'ireo sampy i Efraima; avelao ho irery izy. 18 Na dia lany aza ny zava-pisotro maherin'izy ireo, dia manohy ny fijangajangana izy ireo; mankafy fatratra ny henatr'izy ireo ny mpanapany. 19 Handrakotra azy ireo amin'ny elany ny rivotra; ary ho menatra izy ireo noho ny amin'ny soron'izy ireo.
Ity toko ity no manomboka ny adin'i Yaveh amin'ireo Israelita tsy mahatoky.
Ny fanambaran'i Yaveh fa ny vahoakan'Israely dia nanota taminy ary nivadika tamin'ny fanekeny dia resahina toy ny hoe miampanga azy ireo any amin'ny fitsarana Yaveh.
Io dia fitarainana ataon'ny olona iray amin'ny olona iray hafa any amin'ny fitsarana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:2
Eto ny "fatotra" dia ilazana ny fetra izay omen'ny lalàna alalana. DH: "Tsy nankatoa ny lalàna tamin'izay mety ho fomba rehetra ny olona"
Eto ny "fandatsahan-drà" dia ilazana ny "famonoana olona" izay matetika dia maratra ilay lasibatra. DH: "mandatsa-drà aorian'ny iray hafa izy ireo"
Ilazana ny hai-tany io fomba fiteny io, rehefa tsy misy orana milatsaka mandritra ny fotoana ela.
miha-osa ary maty nohon'ny aretina na tsy fahampian-tsakafo
Io dia azo atao hoe DH: "maty"
Miresaka momba an'Israely i Yaveh.
Io dia fitarainana ataon'ny olona iray amin'ny olona iray hafa any amin'ny fitsarana.
Tsy tokony hisy hiampanga ny hafa ny amin'ny inona na inona satria samy meloka nohon'ny zavatra iray avokoa ny olon-drehetra.
Eto ny hoe "tafintohina" dia midika tsy fankatoavana an'Andriamanitra na mitsahatra tsy matoky Azy mihitsy aza.
Eto ny "reny" dia manondro ny firenen'Israely. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:2.
Ao amin'ny 4:6, Yaveh dia miresaka amin'ny mpisorona momba ny vahoakan'Israely. Saingy ao amin'ny 47, dia miresaka momba ireo mpisorona Izy, fa tsy amin'izy ireo. Azon'ny mpandika teny ny manaraka ny ohatra ao amin'ny UDB, izay mamaritra an'i Yaveh ho miresaka amin'ny mpisorona ihany koa ao amin'ny 4:7.
Io dia azo atao hoe DH: "Ringana ny oloko satria ianreo, mpisorona, dia tsy nampianatra tsara azy ireo momba Ahy hany ka tsy mankatoa Ahy izy ireo"
Eto ny "fahalalana" dia ilazana ny fahalalana an'Andriamanitra.
Ireo mety ho heviny dia 1) Ny "voninahitra" dia ilazana an'i Yaveh, ary ny "henatra" dia ilazana ireo sampy. DH: "Nitsahatra tsy nanompo Ahy, ilay Andriamanitra be voninahitra izy ireo, ary manompo sampy mahamenatra ankehitriny" na 2) ny dikan-teny sasany dia mandika izany hoe "hatakaloko henatra ny voninahiny." Midika izany fa ho esorin'i Yaveh ireo zavatra izay omen'ireo mpisorona voninahitra ary hataony menatra ireo mpisorona.
Manohy miresaka momba ireo mpisorona i Yaveh.
Rehefa nanota ny olona, dia nanolotra sorona mba hamelan'Andriamanitra azy ireo. Navela hihinana ireo sorona ireo ny mpisorona. Ny fihinanan'ny mpisorona ireo sorona nohon'ny ota ireo dia resahina toy ny hoe tena mihinana ny fahotan'ny olona tokoa izy ireo.
Tian'ny mpisorona mba hanota bebe kokoa ny olona mba hanoloran'izy ireo sorona mba hohanin'ny mpisorona.
"Ho faizana amin'ny fomba mitovy ihany ny vahoaka sy ny mpisorona"
"ny fahazarany" na "ny fitondran-tenany"
Miresaka momba an'Israely i Yaveh.
"fa tsy hanan-janaka"
Nitsahatra tsy nanompo sy nanaraka an'Andriamanitra ny olona.
Afaka manova ny hoe "Yaveh" ho "Izaho" ny mpandika teny, satria Yaveh ilay miteny.
Miresaka momba an'Israely i Yaveh.
Manao firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambadiana ny vahoakan'Israely ary misotro divay be tafahoatra. Amin'ny fanaovana ireo fanaony ireo dia nanadino ny didin'i Yaveh izy ireo. Ireo fihetsika ireo dia resahina toy ny hoe olona izay afaka manakana ny hafa tsy hahalala ny mahazava-dehibe ny fankatoavana an'i Yaveh.
Nampiasa tapa-kazo ireo mpanompo sampy mba hanampy amin'ny filazana ny ho avy. Ny tapa-kazo eto dia resahina toy ny hoe olona izay milaza faminaniana.
Ny fanompoana sampy sy ny fiaraha-mandry amin'ireo mpivaro-tena eo an-tempoly dia nahatonga faniriana tao amin'ny vahoakan'Israely hanota amin'i Yaveh hatrany tamin'ireo fomba ireo. Eto ny "fanahy" dia resahina toy ny hoe olona izay afaka mandresy lahatra ny hafa tsy hankatoa an'i Yaveh.
nandresy lahatra ny olona mba hanota
Miresaka momba an'Israely i Yaveh.
Efa nahazatra an'ireo vahoaka ny mametraka sampy teo amin'ireo toerana ireo, izay nantsoina matetika hoe "toerana avo" ao amin'ny Testamenta Taloha.
Ireo dia vehivavy izay nanao firaisana tamin'ny lehilahy izay tonga hanompo ireo sampy sasany. Noraisina ho toy ny fanao masina ho voninahitr'ireo andriamanitra sandoka izany.
Haringan'i Yaveh ny firenen'Israely satria tsy mahazo na mankatoa ny didin'Andriamanitra izy ireo.
Miresaka momba an'i Joda sy Israely i Yaveh.
Fantatr'Andriamanitra ny fahatongavan'Israely ho mpanota ary tsy tiany hanao tahaka izany i Joda.
Ampitandremana ireo vahoakan'i Joda mba tsy handeha any amin'ireo tanànan'i Gilgala na Beta mba hanompo sampy eo amin'ireo toerana ireo. Taloha Gilgala dia efa toerana nanompoana an'i Yaveh, saingy lasa toerana fanompoan-tsampy izany.
Tanàna iray teo amin'ny fari-tany teo anelanelan'ny fanjakana tavaratr'Israely sy ny fokon'i Benjamina any amin'ny fanjakana tatsimo izany.
Ampitahaina amin'ny vantotr'omby vavay izay tsy hankatoa ny tompony Israely.
Mampiasa fanontaniana i Yaveh mba hanindriana fa tsy afaka manohy mikarakara ny vahoaka Izy satria mafy loha izy ireo. Ny tsy fiahian'i Yaveh ny olony intsony dia resahina toy ny hoe mpiandry ondry izay tsy afaka mitondra ireo zanak'ondriny ho any an-tsaha mba hihinana Izy satria mafy loha ireo. DH: "tsy hiandry vahoaka mafy loha Yaveh." na "Noho izany Yaveh dia tsy hanohy hikarakara azy ireo"
Io dia azo atao hoe DH: "Ahoana no hitondrako"
Miresaka momba an'Israely i Yaveh.
Eto "Efraima" dia manondro ireo olona any amin'ny fanjakana tavaratr'Israely. Nisafidy ny hanompo sampy izy ireo, fa tsy Yaveh. Mandidy an'i Hosea mba tsy hiezaka ny hanitsy azy ireo Yaveh. Tsy hihaino ny vahoakan'Israely.
Tsy menatra ny ataony ireo mpanapaka rehefa manompo sampy ary miala amin'i Yaveh.
Eto ny "rivotra" dia maneho ny fitsaran'Andriamanitra sy ny fahatezerany amin'ny firenen'Israely. Havelan'i Yaveh haka azy ireo ho babo ny tafika fahavalony.
1 "Henoy izao, ry mpisorona! Manongilàna sofina, ry ankohonan'Israely! Mihainoa, ry ankohonan'ny mpanjaka! Fa ny fitsarana dia avy hanohitra anareo rehetra. Fa efa fandrika tany Mizpa ianao ary harato nivelatra teo amin'ny Tabara. 2 Ireo mpikomy mikiry fatratra amin'ny famonoana, fa Izaho no hanasazy azy rehetra ireo. [1]3 Fantatro Efraima, ary Israely tsy miafina amiko. Ry Efraima, ankehitriny ianao dia tonga toy ny mpivaro-tena; voaloto Israely. 4 Tsy hamela azy ireo hiverina amin'Andriamanitra ireo asany, satria ny fanahin'ny fijangajangana no ao amin'izy ireo, ary tsy fantatr'izy ireo Yaveh. 5 Ny fireharehan'Israely dia vavolombelona manohitra azy; koa ho tafintohina amin'ny fahamelohan'izy ireo Israely sy Efraima; ary Joda ihany koa dia ho tafintohina miaraka amin'izy ireo. 6 Handeha hiaraka amin'ny ondry aman'osiny sy ombiny izy ireo mba hitady an'i Yaveh, fa tsy hahita Azy izy ireo, satria nanala ny tenany tamin'izy ireo Izy. 7 Tsy nahatoky an'i Yaveh izy ireo, fa niteraka zaza tsy araka ny lalàna izy ireo. Ankehitriny ny firavoravoan'ny voaloham-bolana no handevona azy ireo mbamin'ireo sahany. 8 Tsofy ao Gibea ny anjomara, ary ao Rama ny trompetra. Manaova hiakiakan'ady ao Betavena hoe: 'Hanaraka anao izahay ry Benjamina!' 9 Ho lao Efraima amin'ny andron'ny fanasaziana. Teo amin'ireo fokon'Israely no nanambarako izay tsy maintsy hitranga. 10 Ireo mpitarik'i Joda dia toy ireo izay mamindra fefy vato. Hararako toy ny rano amin'izy ireo ny fahavinirako. 11 Torotoro Efraima; torotoron'ny fitsarana izy, satria nandeha tamin'ny tsitra-pony hanaraka sampy. 12 Ary ho toy ny kalalao amin'i Efraima Aho, ary tahaka ny bobongolo amin'ny ankohonan'i Joda. 13 Rehefa hitan'i Efraima ny aretiny, ary hitan'i Joda ny ratrany, dia nandeha tany Asyria i Efraima, ary Joda nandefa mpitondra hafatra ho any amin'ilay mpanjaka lehibe. Fa tsy afaka nitsabo anareo izy ry olona na nanasitrana ny ratranareo. 14 Koa ho toy ny liona amin'i Efraima Aho, ary ho toy ny liona tanora amin'ny ankohonan'i Joda. Izaho, eny Izaho, no hamiravira ary handeha; ho entiko izy ireo, ary tsy hisy hanavotra azy ireo. 15 Handeha Aho ary hiverina any amin'ny toerako, mandra-piaiken'izy ireo ny helony ka hitady ny tavako, mandra-pitadin'izy ireo Ahy fatratra amin'ny fahorian'izy ireo."
Miresaka momba an'Israely i Yaveh.
Ny fandrika sy ny harato dia samy zavatra ampiasaina hahazoana haza. Amin'ity toe-javatra ity, ireo mpisorona sy ny fianakavian'ny mpanjaka dia namisavisa fomba ahafahana manalavitra ny olona amin'i Yaveh, ary maningotra azy ireo ho amin'ny fanompoan-tsampy. Mizpa sy Tabara dia toerana fanompoan-tsampy tao amin'ny tanin'Israely.
Eto ny "mpikomy" dia manondro ireo rehetra izay niala tamin'i Yaveh, ary ny "mikiry fatratra amin'ny famonoana" dia mety manondro ny famonoana olona tsy manan-tsiny, na ny famonoana biby aterina ho an'ireo sampy.
Azon'ny mpandika teny aseho amin'ny hoe "Ianareo mpikony" io, satria tena miresaka amin'ireo vahoakan'Israely mpikomy tokoa Yaveh.
Ny dikan-teny vaovao sasany dia mandika ny teny Hebreo mba hilazana ny faharatsiana.
Azon'ny mpandika teny atao ny manao izany hoe "Ho saziako ianareo rehetra."
Miresaka momba an'Israely i Yaveh.
Eto "Efraima" sy "Israely" dia samy manondro ireo olona izay mipetraka any amin'ny fanjakana tavaratr'Isrely. Eto Andriamanitra dia milaza fa fantany hoe toy ny ahoana izy ireo ary inona no ataony.
Toy ny hoe mpivaro-tena no anehoana an'i Efraima satria lasa tsy nahatoky tamin'Andriamanitra ny olona, tahaka ny mpijangajana izay tsy mahatoky amin'ny izay lehilahy rehetra.
Midika izany fa manam-paniriana ny tsy hahatoky amin'Andriamanitra izy ireo. Te hanompo sampy izy ireo.
Azon'ny mpandika teny atao ny manao izany hoe "hiverina amiko ... tsy mahafantatra Ahy izy ireo." na "hiverina amiko ... tsy mahafantatra Ahy, Yaveh izy ireo."
Tsy mankatoa an'i Yaveh amin'izay mety ho fomba rehetra intsony Israely. Tsy manaiky an'i Yaveh ho Andriamaniny izy ireo.
Miresaka momba an'Israely i Yaveh.
Ny "fireharehana" dia faritan'ity ho toy ny olona izay mijoro vavolombelona manohitra an'Israely any amin'ny fitsarana. Ny toera feno fieboeboan'izy ireo sy ny fitondran-tenany dua mampiseho fa meloka nohon'ny tsy fankatoavana an'i Yaveh intsony izy ireo.
Ho lasa tsy mpakatoa an'Andriamanitra tanteraka ireo fanjakana roa nohon'ny fieboeboan'izy ireo sy ny fahotany.
Ireo mety ho heviny dia 1) midika izany fa nanambady olona avy any amin'ny firenen-kafa ireo Israelita ary manan-janaka amin'izy ireo na 2) midika izany fa tsy nahatoky tamin'i Yaveh ireo ray aman-dreny Israelita ary nampianatra ny zanany hanompo sampy.
Tokony hanao fankalazana ireo vahoakan'Israely mandritra ny volana vaovao. Eto ity fiteny ity dia toa mamaritra ny firavoravoan'ny voaloham-bolana ho biby izay hihinana ny vahoaka sy ny sahany. Na izany aza, sarotra ny mandika io fiteny io; maro ny dikan-teny mandika izany fa tsy dia manisy hevitra loatra. Na eo aza izany, ny fehin-kevitra amin'izany dia azo antoka fa hanafay ny vahoaka nohon'ny tsy fahatokiany aminy Yaveh.
Miresaka momba an'Israely i Yaveh.
Eto ny "anjomara" sy "trompetra" dia mitovy hevitra ihany. Io didy io dia omena ny olon'i Gibea sy Rama mba hanindriana fa tamy fahavalo.
Io dia mety hoe fangatahana mba hitarihan'ireo miaramila ao amin'ny fokon'i Benjamina ny olona ho any an'ady. Saingy ny dikan-teny vaovao dia manao ezaka samihafa handikana io fiteny io.
Tanàna iray teo amin'ny fari-tany teo anelanelan'ny fanjakana tavaratr'Israely sy ny fokon'i Benjamina any amin'ny fanjakana tatsimo izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:15.
"Hataoko amin'ireo fokon'Israely izay nambarako"
Miresaka momba an'i Joda sy Israely i Yaveh.
Ny "mamindra fefy vato" dia ilazana ny famindrana ny mari-tany izay nanamarika ny fetran'ny tany sasany, izay heloka teo amin'ny lalàn'ny Israelita.
Ny fahatezeran'i Yaveh amin'i Joda dia ho tahaka ny rano lehibe mandriaka izay hamotika azy ireo. Ao amin'ny soratra masina, ny toetoetra ara-moraly sy fihetseham-po matetika dia resahina toy ny hoe rano.
Natao indroa io teny io mba ho fanamafisan-kevitra. Eto ny "Efraima" dia manondro ireo olona ao amin'ny fanjakana tavaratr'Israely. DH: "Ho faiziko mafy ireo vahoakan'Israely"
Eto ny hoe "manaraka" dia maneho hevitra fanompoana.
Ny teny Hebreo izay nadika hoe "sampy" eto dia tsy hay mazava ny heviny, ary izany dia adikan'ny dikan-teny vaovao amin'ny fomba maro samihafa.
Miresaka momba an'i Joda sy Israely i Yaveh.
Ny kalalao eo amin'ny ravin-damba sy ny bobongolo eo amin'ny hazo sia samy manimba. Samy ho potehin'i Yaveh ireo firenena ireo.
adika amin'ny fomba samihafa ireo teny roa ireo satria tsy mazava tsara na mivelatra be ny hevitry amin'ny teny Hebreo.
Samy nahalala fa tandindonin-doza na i Efraima (ilay fanjakana tavaratr'Israely) na Joda (ilay fanjakana tatsimon'Israely).
Nangataka fanampiana tamin'i Asyria i Efraima sy Joda fa tsy nangataka tany amin'i Yaveh. Ny "mpanjaka lehibe" dia fiantsoana ilazana ny mpanjakan'i Asyria.
Eto "izy" dia manondro ny mpanjakan'i Asyria
Miresaka momba an'i Joda sy Israely i Yaveh.
Hanenjika sy hamely an'i Efraima tahaka ny liona Yaveh.
Ho entin'i Yaveh tahaka izany i Joda. Mampiseho tsy fahafaliana amin'ny fanjakana tavaratra sy tatsimo Yaveh.
Tsindrian'i Yaveh fa Izy ilay iray izay manao ny fitsarana amin'ny vahoakany.
Tahaka ny liona mamiravira ny biby hohaniny, dia toy izany no hamiraviran'i Yaveh ny olony lavitry ny fonenany sy ny taniny.
Handao ny olony mpikomy Yaveh.
miezaka mankeo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra amin'ny fivavahana sy sorona. DH: "ary hangataka Ahy hihaino azy ireo"
1 "Avia, andeha isika hiverina amin'i Yaveh. Fa efa nanorotoro antsika Izy, nefa hanasitrana antsika; nandratra antsika Izy, fa hamehy ny ferintsika. 2 Afaka roa andro dia hamelona antsika indray Izy; hanangana antsika Izy amin'ny andro fahatelo, ary ho velona eo anoloany isika. 3 Aoka hahafantatra an'i Yaveh isika; aoka ho dodona ny hahalala an'i Yaveh isika. Ny fiposahany dia azo antoka tahaka ny mangiran-dratsy; ho avy amintsika tahaka ny ranon'orana Izy, toy ny loharanon'orana izay manondraka ny tany." 4 Ry Efraima, inona no hataoko miaraka aminao? Ry Joda, inona no hataoko miaraka aminao? Ny fahatokianao dia toy ny rahon'ny maraina, tahaka ny ando izay vetivety dia lasa. 5 Koa nokapakapaiko tamin'ny alalan'ireo mpaminany izy ireo, novonoiko tamin'ny alalan'ny tenin'ny vavako izy ireo. Ireo lalànao dia toy ny hazavana izay mamirapiratra. 6 Fa fahatokiana no iriako fa tsy sorona, ary ny fahafantarana an'Andriamanitra noho ny fanatitra dorana. 7 Toa an'i Adama dia namadika ny fanekena izy ireo; tsy nahatoky Ahy izy ireo. 8 Gileada dia tanànan'ny mpanao ratsy miaraka amin'ny dian-tongotra mihoson-drà. 9 Toy ny fiandrasan'ny andian-jiolahy olona, no hikambanan'ireo andiana mpisorona hamono olona any amin'ny lalana mankany Sekema; nanao heloka mahamenatra izy ireo. 10 Tao amin'ny ankohonan'Israely no nahitako zavatra mahatsiravina; ny fivarotan-tenan'i Efraima no ao, ary Israely dia nanjary naloto. 11 Fa ho anao ihany koa, ry Joda, dia efa voatondro ny fotoam-pijinjana, rehefa hamerina ny haren'ny oloko Aho.
Miaiky ny filan'izy ireo mibebaka ny vahoakan'Israely.
Nofaizin'Andriamanitra ny vahoakan'Israely satria tsy nankatoa Azy sady nanompo sampy.
Mino Israely fa hamindra fo amin'izy ireo Andriamanitra rehefa mibebaka izy ireo ary hanafaka azy ireo amin'ny fahoriany Izy.
Io dia manondro fe-potoana fohy. Mino Israely fa ho avy malaky hanavotra azy ireo amin'ny fahavalony Yaveh.
"2 andro ... andro faha 3"
Eto ny hoe "hahafantatra" dia tsy midika fianarana ny toetra sy ny lalàn'Andriamanitra fotsiny, fa fahatongavana ho mahatoky aminy ihany ko.
Ho avy hanampy ny olony tahaka ny tsy maintsy hiposahan'ny masoandro amin'ny maraina Yaveh.
Miteny Yaveh.
Asehon'Andriamanitra fa ny vita hatreo faharetany ary ny fitsarana sisa no tavela. DH: "sarotra ny mahalala ny tokony hatao aminareo!"
Amin'ny alalan'ireo mpaminaniny, Yaveh dia nanambara fandringanana tamin'ny fireneny mpikomy. Ny fandringanana, izay antsoina hoe "fikapakapana" eto, dia azo antoka tahaka ny fanamelohana.
Eto Hosea mpaminany dia miresaka amin'Andriamanitra. Ny mety tiany ho lazaina dia rehefa mandidy ny ahafatesan'ny olona iray ho famaizana Andriamanitra, dia tahaka ny varatra izay mipoaka. Na ny mety tiany ho lazaina dia mamela ny olona hahalala ny marina ny didy, tahaka ny fahazavana izay mahatonga ny zavatra ho hita.
"Ireo lalàn'i Yaveh"
Miteny Yaveh.
Io firafitry ny fehezanteny io amin'ny teny Hebreo dia maneho ny hevitry ny hoe "mihoatra noho ny," tahaka ny asehon'ny andalan-teny faharoa ("ary ny fahafantarana an'Andriamanitra noho ny fanatitra dorana"). DH: "Fa fahatokiana no iriako mihoatra noho ny sorona"
Ireo mety ho heviny dia 1) manondro an'i Adama, ilay lehilahy voalohany io na 2) io dia fibangoan-teny ilazana ireo olona izay monina ao amina tanàna ao Israely izay antsoina hoe Adama. DH: "Tahaka ny vahoaka ao amin'ny tanànan'i Adama" na 3) manondro ny olona amin'ny ankapobeny io. Ny teny hoe "Adama" dia midika hoe "olona" na "olombelona." DH: "tahaka ny olombelona rehetra"
Miteny Yaveh.
Ny hoe "dian-tongotra mihoson-drà" dia mety ilazana ireo mpanao ratsy sy ny famonoany olona.
Tsy hay izay tondroin'io. Tena meloka nohon'ny famelezana olona teny an-dalana mankany Sekema tokoa ve ireo mpisorona, izay ivon'ny fivavahana sy ny politika lehibe? Sa ambaran'ny mpaminany ve fa "namono" ny fahalalana sy ny fanompoana marina an'i Yaveh ireo mpisorona? Tsara ny mandika ity fiteny ity amin'ny fomba mivelatra araka izay azo atao.
Miteny Yaveh.
Eto ny "fivarotan-tena" dia ilazana ny fanompoan'i Efraima ireo andriamanitra sandoka.
Lasa tsy azo ekena amin'Andriamanitra i Israely nohon'ny ataony.
Io dia azo atao hoe DH: "Efa nanendry fotoam-pijinjana ho anao ihany koa Aho, ry Joda"
Eto ny "fijinjana" dia ilazana ny fitsarana faran'Andriamanitra eo amin'Israely sy Joda.
fanambinana sy filaminana
1 Isaky ny te-hanasitrana an'Israely Aho, dia miseho ny fahotan'i Efraima, sy ny asa ratsin'i Samaria, satria mamitaka izy ireo; tonga ny mpangalatra, ary ny andiana mpandroba manafika eny an-dalambe. 2 Tsy tsapan'izy ireo tao am-pony fa tsaroako ny asa ratsiny rehetra. Ankehitriny mihodidina eo amin'izy ireo ny asany; manoloana ny tavako ireo. 3 Faly tamin'ny faharatsian'izy ireo ny mpanjaka, ary tamin'ny laingany ny manam-pahefana. 4 Izy rehetra dia mpijangajanga, tahaka ny lafaoro nafanain'ny mpanao mofo, izay mitsahatra misoron'afo hatramin'ny famolavolana ny foto-koba ka mandra-pitombon'izany. 5 Tamin'ny andron'ny mpanjakantsika ireo manam-pahefana dia nankarary ny tenany tamin'ny hafanan'ny divay. Naninjitra ny tanany tamin'ireo izay naneso izy. 6 Fa amin'ny fo toy ny lafaoro, no hieverany ireo tetika famitahan'izy ireo. Mirehitra mandritra ny alina tontolo ny fahatezeran'izy ireo; ny amin'ny maraina dia mirehitra toy ny afo midedadeda izany. 7 Izy rehetra dia mafana tahaka ny lafaoro, ary mandrapaka ireo izay manapaka eo amin'izy ireo. Efa lavo ireo mpanjakany rehetra; tsy nisy niantso Ahy izy ireo. 8 Nifangaro tamin'ireo olona i Efraima. Mofomamy fisaka izay tsy mbola navadika i Efraima. 9 Efa nandevona ny heriny ireo firenena hafa, nefa tsy fantany izany. Volo fotsy no mifafy eo aminy, nefa tsy fantany izany. 10 Ny avonavon'Israely dia vavolombelona miampanga azy; na izany aza, dia tsy niverina tamin'i Yaveh Andriamaniny izy ireo, na nitady Azy, na dia teo aza izany rehetra izany. 11 Efraima dia toy ny voromailala, minomino foana sady tsy misy saina, miantso mafy any Egypta, avy eo manidina ho any Asyria. 12 Rehefa mandeha izy ireo, dia ho velariko eo amin'izy ireo ny haratoko, hampidiniko toy ny voron'ny lanitra izy ireo. Hanasazy azy ireo ao amin'ny firohotany Aho. 13 Lozan'izy ireo! Fa efa nandositra Ahy izy ireo. Tonga eo amin'izy ireo ny fandringanana! Nikomy tamiko izy ireo! Tokony hanavotra azy ireo Aho, kanefa nilaza lainga tamiko izy ireo. 14 Tsy nihiaka tamiko tamin'ny fony rehetra izy ireo, fa midradradradra eo am-pandriany. Miara-miangona ho an'ny vary sy ny divay vaovao izy ireo, ary mivily miala Amiko. [1]15 Na dia nampianatra azy ireo sy nanamafy ny sandriny aza Aho, dia miteti-dratsy hanohitra Ahy izy ireo ankehitriny. 16 Miverina izy ireo, nefa tsy miverina Amiko, ilay Avo Indrindra. Toy ny tsipìka miraviravy izy ireo. Ho lavo amin'ny sabatra nohon'ny fitenenam-poan'ny lelany ny manam-pahefan'izy ireo. Izany no ho zary fanesoan'izy ireo ao amin'ny tany Egypta.
Miteny Yaveh.
Ny fampakatoavana an'Israely an'Andriamanitra sy ny fanaovana azy ho mpandray ny fitahiany dia resahina toy ny hoe fanasitranana.
Mivarotra vokatra amin'ny fomba tsy marina ny olona.
Izany dia vondron'olona izay mamely ny hafa tsy ahoan-tsy ahoana.
Ny asa ratsin'ny olona dia mety ho resahina toy ny hoe olona hafa izay vonona ny hiampanga azy ireo ny amin'ny helony.
Ny "tava" dia maneho ny fanatrehan'Andriamanitra, na ny fahafantaran'Andriamanitra. Ireo "vavolombelona," izany hoe, ireo asa ratsy, dia eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra mba hitondra ny fiampangany.
Miteny Yaveh. Tsy mazava tsara ny lahatsoratra Hebreo any amin'ny toerana samihafa. Na izany aza, maro ny olona no mandika izany ho toy ny mamaritra an'ireo manam-pahefan'ny mpanjaka ho tsy mahatoky amin'Andriamanitra, ary mitetika ny hamono ny mpanjaka ihany koa, ary avy eo dia manatanteraka ny tetiny. Toa efa nitranga tsy indray tsy indroa izany. Ireo heloka ireo dia ambara mba ho ohatra fanehoana ny faharatsiana izay mandifotra ny firenena.
Nanao fijangajangana ara-panahy tamin'ny fanompoan-tsampy sy ny tsy fahatokiana tamin'i Yaveh ny olona. Mety ho nampirafy ny vadiny tamin'ny fiarahana tamin'olon-kafa ihany koa izy ireo.
Midika izany fa nanam-paniriana mafy ny hanao ratsy ny olona. DH: "tahaka ny fatana izay hafanain'ny mpanao mofo"
Isan'ireo dingana fanaovana mofo izany.
Mety ho firavoravoana nataon'ny mpanjaka izany.
Mety midika fikambanana na fiombonana amin'ny olona iray. Midika izany fa mikambana amin'ny manam-pahefany mba hanisratsira ireo zavatra tsy tokony hamavoina, eny na Andriamanitra mihitsy aza ny mpanjaka.
Faritana eto ny fanaovan'ireo manam-pahefana tetika. Ny hatezeran'izy ireo no manosika azy hamono ny mpanjaka.
Midika izany fa tahaka ny firehitry ny afo ao am-patana, no fanirian'ireo olona ireo mafy any anatiny.
Ny teny hoe "mirehitra" dia midika hoe misy zavatra mirehitra tsimoramora tsy misy lela afo. DH: "Mitombo tsimoramora ny hatezerany"
Ny haben'ny fahatezeran'izy ireo dia resahina toy ny hoe afo mahamay tokoa. DH: "miha-henjana tokoa izany"
Io dia mampitaha ny hatezeran'izy ireo amin'ny hafanana avy amin'ny lafaoro.
Toa midika izany fa mamono ny mpanjaka ireo manam-pahefan'ny fitsarana.
Miteny Yaveh.
Mety hilazana ny ezaka nataon'ireo mpanjakan'ny fanjakana tavaratra mba hikambanana amin'ny firenena hafa ho fiarovana amin'ny fanafihana io.
Eto ny hoe "Efraima" dia manondro ny fanjakana tavaratr'Isarely. Malemy io firenena io, tahaka ny mofo fisaka izay tsy nataon'ny mpanao mofo nisosona tao am-patana mba ho mafy kokoa. DH: "Tahaka ny mofo izay tsy nisy namadika ny vahoakan'i Efraima"
Eto ny "volo fotsy" dia ilazana ny fahanterana.
Na eo aza izany, io "fahanterana" io dia mazava fa fomba ilazana fa miha-osa hatrany ny fanjakana tavaratr'Israely, satria tsy hain'ilay firenena fa "antitra" izy.
Miteny Yaveh.
Izany dia mamaritra ny "avonavona" ho tahaka ny olona izay mijoro vavolombelona miampanga ny vahoakan'Israely eo amin'ny fitsarana.
Ny tsy firaharahian'Israely an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe very Izy ary tsy niezaka ny hitady Azy izy ireo. DH: "na niezaka ny hisarika Azy hihaino azy ireo"
Eto "izany" dia manondro an'Andriamanitra mamela ny vahiny handresy azy ireo ka hahatonga azy ireo ho osa.
Ny voromailala dia noheverina ho vorona adaladala.
Firenena matanjaka izay azon'Israely nangatahana fanampiana ireo.
Miteny Yaveh.
Fomba fihazana vorona izany. Manohy mampitaha ny olon'Israely amin'ny voromailala Yaveh. Rehefa mankany Egypta na Asyria hitady fanampiana izy ireo, dia ho faiziní Yaveh.
Miresaka momba ny fomba hitsarany an'Israely tahaka ny vorona izay ho azony ao anaty harato Yaveh. DH: "Hihaza azy ireo tahaka ny vorona Aho" na "Ho azoko tahaka ny fahazoan'ny mpihaza vorona izy ireo"
Manitatra ilay fampitahana momba ny vorona io fiteny io.
Miteny Yaveh.
Efa nahazatra an'ireo mpanompo sampy ny mihinana sakafo ara-pomba eo am-pipetrahana eo am-pandriana.
Eto ny tsy fanompoana an'Andriamanitra intsony dia resahina toy ny hoe miala aminy. DH: "ary tsy manompo Ahy intsony"
Mety ho sarinteny amin'ny maha-miaramila io, izy hampianaran'Andriamanitra an'ireo Israelita hitia Azy sy hankatoa Azy, ary resahina toy ny hoe manofana ny olony ho amin'ny ady Izy.
Miteny Yaveh.
Izany hoe, tsy misy tady fitifirana ny tsipìka, na tsy mihinjitra izany.
Eto ny "lela" dia ilazana izay lazain'ireo manam-pahefana. DH: "satria maniratsira Ahy izy ireo" na "satria manozona Ahy izy ireo"
"Izany no antony hanesoan'i Egypta sy hiomehezany an'Israely"
1 "Ametraho anjomara eo amin'ny molotrao! Misy voromahery tonga eo amin'ny tranon'i Yaveh satria nandika ny fanekeko sy nikomy nanohitra ny lalàko ny olona. 2 Mitaraina Amiko izy ireo hoe: 'Ry Andriamanitro, izahay aty Israely dia mahafantatra Anao.' 3 Nefa Israely dia efa nanary izay tsara, ary ny fahavalo hanenjika azy. 4 Efa nametraka ireo mpanjaka izy ireo, nefa tsy avy tamiko. Efa nametraka andrian-dahy izy ireo, nefa tsy tamin'ny fahalalako. Tamin'ny volafotsiny sy ny volamenany no efa nanamboarany ny sampy ho an'ny tenany, nefa izany dia mba hamongorona azy ireo ihany." 5 "Nolavina ny zanak'ombinao, ry Samaria. Mirehitra amin'ireo olona ireo ny fahatezerako. Fa mandra-pahoviana no hijanona ho meloka izy ireo? 6 Fa izany sampy izany dia avy tao Israely; ny mpiasa no nanao izany; tsy Andriamanitra izany! Ho tetitetehina ny zanak'ombin'i Samaria. 7 Fa ny olona mamafy rivotra dia mijinja tadio. Tsy misy salohiny ny vary maniry eny an-tsaha; tsy misy ventiny ny vokatr'izany. Raha tonga matoy izany, dia handrapaka izany ny vahiny. 8 Dia voatelina Israely; ankehitriny mandainga eo amin'ireo firenena tahaka ny zavatra tsy misy ilàna azy izy ireo. 9 Fa niakatra tany Asyria tahaka ny ampondra-dia mandeha irery izy ireo. Efa nanakarama mpitia ny tenany i Efraima. 10 Na dia efa nanakarama olon-tiana eo amin'ireo firenena aza izy ireo, ankehitriny dia hanangona azy ireo miaraka Aho. Hanomboka hihaosa izy ireo nohon'ny fampahorian'ny mpanjakan'ireo andrian-dahy. 11 Fa efa nampitombo ireo alitara ho an'ny fanatitra noho ny ota i Efraima, nefa efa lasa alitara ho amin'ny fanotana izany. 12 Afaka nanoratra ny lalàko indray alina ho azy ireo Aho, nefa izy ireo handray izany tahaka ny zavatra hafahafa aminy. 13 Raha ny amin'ireo soron'ny fanatitro, dia manao sorona hena izy ireo ary mihinana izany, kanefa Izaho, Yaveh, dia tsy manaiky ireo. Ankehitriny hieritreritra ny momba ny helony Aho ary hanasazy ny amin'ny otany. Hiverina any Egypta izy ireo. 14 Israely dia efa nanadino Ahy, Mpanao azy, ary efa nanorina lapa. Efa nanamafy tanàna maro i Joda, nefa handefa afo eo amin'ireo tanànany Aho; handringana ireo fiarovany mafy izany.
Miresaka momba ny fiavian'ny tafika Asyriana hanafika ny fanjakana tavaratra Yaveh.
Ny voromahery, izay vorona mpihaza, matetika dia ilazana ireo fahavalon'Israely. DH: "Tahaka ny fihazan'ny voromahery ny biby hafa, no hiavian'ny fahavalon'Israely hambabo ny oloko"
Eto ny hoe "nandika" dia midika hoe "tsy nankatoa."
"mahatoky aminao"
Miteny Yaveh.
Io dia azo atao hoe DH: "fa ho ringaniko ireo olona no ho vokatr'izany"
Ireo mety ho heviny dia 1) ilay mpaminany no miteny na 2) Yaveh no mitny. DH: "Izaho mihitsy no nandà ny zanak'ombinao, ry Samaria"
Jeroboama Faharoa mpanjaka'Israely dia nanao sampy volamena izay miendrika zanak'omby ary nametraka izany mba hanompoan'ireo vahoakan'ny fanjakany azy. Resahin'i Yaveh toy ny hoe ilay zanak'omby mihitsy ny fivavahan'izy ireo. DH: "anao satria manompo sampy zanak'omby ianao"
Matetika ny fahatezerana dia resahina toy ny hoe afo. DH: "Tezitra mafy amin'ireo olona ireo Aho"
Mametraka io fanontaniana io Yaveh mba hanehoana ny fahatezerany amin'ny fahalotoan'ny vahoakany. "Tezitra amin'ireo olona ireo Aho satria tsy mba manam-paniriana ny ho tsy manan-tsiny izy ireo."
Miteny Yaveh.
Ny mamafy na mamboly rivotra dia manao zavatra amin'ny tsy misy dikany na amin'ny fomba mamotika. Ny hoe mijinja tadio dia mizaka ny loza avy amin'ny zavatra iray izay natao.
Ny "salohy" dia ilazana ny ampahany eo amin'ny zava-maniry izay anirian'ny voa. Ny taho tsy misy salohiny dia tsy manana na inona na inona homena ny mpamboly. Tahaka izany ihany, tsy mba hitondra voka-tsoa ny ataon'Israely.
Raha misy miafara amin'ny zavatra tsara ny iray amin'izay ataon'Isarely, dia ho avy ka haka izany amin'izy ireo ny fahavalon'Israely.
Miteny Yaveh.
Ny hoe "voatelina" dia midika ho resy na nalaina ho babo. Io dia azo atao hoe DH: "Nentin'ireo fahavalon'Israely tany an-tany hafa ireo Israelita"
Matetika ny olona dia mihevitra ny ampondra ho mafy loha. Midika izany fa tsy nanaiky hihaino an'i Yaveh ny vahoakan'Isarely fa nandeha tany amin'ny vahoakan'Israely hitady fanampiana kosa.
Ny fiaraisan'i Efraima tamin'ny firenena hafa dia resahina toy ny hoe nanakarama azy ireo ho lasa mpivaro-tena ho an'i Efraima izy ireo. DH: "Niezaka nanakarama firenena hafa hiaro azy ireo ny vahoakan'Israely"
Izany hoe, satria hampijaly ny olona ny mpanjaka Asyriana, izay antsoina ihany koa hoe "ilay Mpanjaka Lehibe."
Miteny Yaveh.
Midika izany fa efa nomen'i Yaveh an'Israely tamin'ny alalan'ireo mpaminany ny lalàny ary nambarany tamin'izy ireo efa impiry izay nandrasany tamin'izy ireo.
"10.000"
Miteny Yaveh.
Nohon'ny amin'ny fahotan'izy ireo, dia halefan'Andriamanitra lavitra ho andevon'ireo Egyptiana ny olony.
1 Aza mifaly, amin'ny hafaliana toy ireo olona hafa, ry Israely. Fa tsy nahatoky ianao, nahafoy ny Andriamanitrao. Tianao ny mandoa ny karama angatahin'ny mpivaro-tena amin'ny famoloana rehetra. 2 Fa ny famoloana sy ny famiazana dia tsy hamahana azy ireo; handiso fanantenana azy ireo ny divay vaovao. 3 Tsy hitoetra ao amin'ny tanin'i Yaveh intsony izy ireo; fa kosa, hiverina any Egypta i Efraima, ary indray andro izy ireo dia hihinana sakafo maloto any Asyria. 4 Tsy handraraka fanatitra divay ho an'i Yaveh izy ireo, na hankasitrahany. Ho toy ny sakafon'ny mpisaona aminy ny soron'izy ireo: izay rehetra mihinana izany dia ho voaloto. Fa ny sakafon'izy ireo dia ho azy ireo irery ihany; tsy hiditra ny tranon'i Yaveh izany. 5 Inona no ho ataonareo amin'ny andron'ny firavoravoana voatondro, amin'ny andron'ny firavoravoana ho an'i Yaveh? 6 Fa, indro, raha afa-mandositra amin'ny fandringanana izy ireo, dia hanangona azy ireo Egypta, ary handevina azy ireo i Memfisa. Raha ny amin'ireo harena volafotsin'izy ireo—ho lasan'ny tsilo maranitra ireo, ary hameno ny lain'izy ireo ny tsilo. 7 Ho tonga ny andro famaizana; tonga ny andro famaliana. Aoka ho fantatry ny Israely rehetra ireo zavatra ireo. Adala ny mpaminany, ary very saina ny olona azon-tsindrimandry, nohon'ny helokareo lehibe sy fandrafianareo lehibe. 8 Ny mpaminany no mpiambina an'i Efraima ho an'ny Andriamanitro. Fa misy fandri-borona amin'ny lalany rehetra, ary ny fankahalana azy dia ao an-tranon'ny Andriamaniny. 9 Efa nanimba toetra fatratra toy ny tamin'ny andron'i Gibea izy ireo. Ho tsaroan'Andriamanitra ny helok'izy ireo, ary ho faiziny ny fahotan'izy ireo. 10 Hoy Yaveh hoe: "Rehefa nahita an'Israely Aho, dia toy ny hoe nahita voaloboka tany an'efitra. Toy ny voaloham-boan'ny fotoanan'ny aviavy, dia nahita ny razambenareo Aho. Fa nankany Bala-peora izy ireo, ary nanoka-tena tamin'izany sampy mahamenatra izany. Lasa maharikoriko toy ilay sampy notiaviny izy ireo. 11 Raha ny amin'i Efraima, dia hanidina toy ny vorona ny voninahitr'izy ireo. Tsy hisy fahaterahana, tsy hisy fananan'anaka, ary tsy hisy torotoronina. 12 Na dia nitaiza zaza aza izy ireo, dia ho alaiko izy ireo ka tsy hisy ho tavela. Loza ho azy ireo rehefa mivadika amin'izy ireo Aho! 13 Efa nahita an'i Efraima Aho, tahaka an'i Tyro, nambolena teo amin'ny tanin'ahitra, fa Efraima dia hitondra ireo zanany ho any amin'ny olon-kafa izay hamono azy ireo." 14 Omeo izy ireo, ry Yaveh—inona no homenao azy ireo? Omeo kibo tsy mahazo zaza sy nono izay tsy manome ronono izy ireo. 15 "Noho ny faharatsian'izy ireo rehetra tany Gilgala, izay nankahalako azy ireo voalohany. Noho ny asan'izy ireo feno fahotana, dia ho roahiko hivoaka ny tranoko izy ireo. Tsy ho tia azy ireo intsony Aho; mpikomy avokoa ireo manam-pahefan'izy ireo. 16 Misy aretina Efraima, ary maina ny fakan'izy ireo; tsy mamoa ireo. Na dia manan-janaka aza izy ireo, dia ho vonoiko ny zanaka malalan'izy ireo." 17 Ho arian'ny Andriamanitro izy ireo satria tsy nankatoa Azy. Ho lasa mpirenireny eo amin'ireo firenena izy ireo.
Miteny i Hosea mpaminany.
Izany dia mamaritra ny famoloana sy ny famiazam-boaloboka toy ny hoe olombelona izay mamahana olona iray. Midika izany fa tsy hanome voa ampy ho kororohina ahazoana izay ilain'ny olona ny fijinjana, ary tsy hanome voaloboka ho fiazina hanaovana divay betsaka izany.
Ireo dia faritra lehibe izay tsy natao hamoloana vary fotsiny ihany, fa hanaovan'ny fiaraha-monina ireo fombam-pivavahana ihany koe. Ireo mpivaro-tena teo an-tempoly dia tonga teo mba hanampy ireo lehilahy hankalaza ny firavoravoan'ny fijinjana ho an'ny sampy.
Tsy hisy ranom-boaloboka ampy hanaovana divay.
Miteny i Hosea mpaminany.
Ity fiteny ity dia manamarika fa mandray ny tanin'Israely ho fananany hatrany Yaveh, fa tsy fananan'ireo Israelita.
Izany dia sakafo izay lavin'ireo Israelita tsy hohanina tsotra izao satria hahatonga azy ireo ho tsy azo ekena amin'i Yaveh izany.
Eto ny hoe "sakafon'ny mpisaona" dia ilazana izay hohanin'ny olona rehefa misaona satria naloto sady tsy azo ekena amin'Andriamanitra izy ireo. Midika izany fa raisin'i Yaveh ho maloto ny soron'ny vahoaka ary tsy ho ekeny.
Hanana sakafo hohanina ireo vahoakan'Israely, saingy tsy ho raisin'i Yaveh ho sorona izany.
Ny sakafo maloto dia resahina toy ny hoe afaka mifindra toerana ho azy izany. Mazava ho azy, tsy maintsy nentin'ny olona niaraka taminy izany.
Miteny i Hosea mpaminany.
Ampiasain'i Hosea io fanontaniana io mba hanindriana fa tsy ho afaka hitandrina ny firavoravoana intsony ny olona rehefa mandresy azy ireo ka maka azy ireo ho babo ny fahavalony. DH: "Tsy ho afaka ny hitandrina ny firavoraoana izay notendren'i Yaveh ho anareo ianareo"
Samy mitovy hevitra ihany ireo.
Eto "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely. DH: "raha tafandositra ianareo"
Egypta sy Memfisa dia manondro ireo olona izay monina ao. DH: "hambabo anareo ny tafik'i Egypta. Ho faty eto ianareo, ary ny olona ao amin'ny tanànan'i Memfisa no handevina anareo"
Ny tsilo maniry eo amin'ny toerana nitehirizan'ny Israelita ny volafotsiny dia resahina toy ny hoe olona fahavalo izay haka ny fananan-tsarobidin'ireo Israelita ho azy manokana. DH: "Haniry eo amin'izay hitehirizan'izy ireo ny harena volafitsiny ny tsilo maranitra"
Eto ny "tsilo maranitra" sy "tsilo" dia mitovy hevitra ihany. Ny fisian'ny tsilo maniry dia maneho tany izay lasa lao ary tahaka ny tany efitra.
Eto ny "lay" dia maneho ny fonenan'ireo Israelita.
Miteny i Hosea mpaminany.
Milaza ireo teny roa mitovy ireo i Hosea mba hanindriana fa hitsara ny vahoakan'Israely nohon'ny asa ratsiny tsy ho ela Yaveh.
Mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Ireo mety ho heviny dia 1) noraisin'ny olona ho adala ireo mpaminany na 2) lasa adala ireo mpaminany nohon'ny fahotana izay nataon'ny olona.
Eto ny "mpaminany" sy ny "olona azon-tsindrimandry" dia midika olona izay milaza fa mahazo hafatra avy amin'Andriamanitra. Ny hevitra ambadik'izany dia mpaminany sandoka ireo olona ireo ary nihevitra ho nahazo hafatra avy amin'Andriamanitra fotsiny.
Ny andian-teny hoe "heloka lehibe" sy "fandrafiana lehibe" dia mitovy hevitra ihany. Ny helok'ireo olona ireo dia niseho tamin'ny fandrafiana an'i Yaveh sy ireo mpaminaniny.
Miteny i Hosea mpaminany.
Ny "mpiambina" dia mitazana any ivelan'ny tanàna hijery raha misy loza tamy. Ny mpaminany mampitandrina ny olona rehefa manota sy ambava-lozan'ny ho faizin'ny Andriamaniny dia resahina toy ny hoe mpiambina ny tanàna. DH: "Tahaka ny mpiambina eo amin'ny Efraima ho an'Andriamanitra ny mpaminany"
Ny dikan-teny sasany dia maandika io andalan-teny io hoe "Mpiambina an'i Efraima ny mpaminany miaraka amin'ny Andriamanitro"
Ilazana ny mpamianany amin'ny ankapobeny izay notendren'i Yaveh io. DH: "Ireo mpaminany no" na "ireo mpaminany marina no"
Eto "Efraima" dia manondro ny vahoakan'Israely rehetra.
Ny "fandri-borona" dia fandrika ampiasaina ahazoana vorona. Midika izany fa ny vahoakan'Israely dia manao izay rehetra vitany mba hanakanana ny mpaminanin'i Yaveh. DH: "mamela-pandrika ho azy na aiza na aiza alehany" na "manao izay rehetra vitany ny vahoaka mba hanisiana ratsy azy"
"Nanota ny vahoakan'Israely ary lasa simba toetra tokoa tahaka azy ireo tany Gibea fahiny." Mety fanehoana ny fihetsika manafintohina nataon'ny fokon'i Benjamina naverina notantaraina tao amin'ny Mpitsara 19-21 izany.
Miteny Yaveh.
Manondro ny fotoana izay nanombohan'i Yaveh ny fiarahanany tamin'ny vahoakan'Israely tamin'ny fanambarana azy ireo ho olony manokana io.
Ireo fanambarana roa ireo dia samy manindry mafy ny toe-javatra izay ankasitrahan'i Yaveh. Midika izany fa faly tokoa Andriamanitra fony vao nanomboka ny fiarahany tamin'ny vahoakan'Israely.
Io dia anaran-tendrombohitra any amin'ny tanin'i Moaba izay nanompoana an'i Bala andriamanitra sandoka.
Miteny Yaveh.
Ho very avokoa ny zava-drehetran'ny vahoakan'i Efraima, na ny fanjakana tavaratr'Israely, izay mahatonga ny firenena hafa hanaja azy ireo. Hanjavona vetivety ny voninahiny, tahaka ny vorona lasa misidiana. DH: "ho tahaka ny vorona izay lasa misidina ny voninahitr'izy ireo"
Rehefa mitsahatra tsy manampy ny fanjakana tavaratra Andriamanitra, dia ho tahaka ny hoe niala mivantana tamin'izy ireo Izy.
Miteny i Hosea mpaminany.
Ny hoe "nambolena" dia ilazana ny fipetrahana amin'ny toerana milamina. DH: "Efa tsara tarehy sy nahafinaritra tahaka ny tanànan'i Tyro ny firenen'Israely taloha, tahaka ny hazo izay nambolen'ny olona teny amin'ny tanin'ahitra"
Ny "zanany" dia ireo olona avy ao amin'izany firenena izany. DH: "saingy hitondra ireo zanany ho any ... ny vahoakan'Israely"
Mampiasa fanontaniana i Hosea mba hanindriana fa tiany mba hanome ny vahoakan'Israely izay mendrika azy ireo Yaveh. DH: "Izao no angatahiko aminao, ry Yaveh, dia ny hanome azy ireo: omeo izy ireo"
Ny hoe "tsy manome ronono" dia midika fa tapitra aloha loatra ny fitondrana vohoka ary maty ilay zaza. Mangataka ny mba hanaovana ny vehivavin'ny firenena rehetra tahaka izany.
Miteny Yaveh.
Ambaran'i Yaveh fa hanery an'Israely hivoaka ny taniny, dia ny tany Kanana i Yaveh.
ireo lehilahy izay manompo ny mpanjaka
Miteny Yaveh ao amin'ny andininy faha 16. Manomboka miteny i Hosea ao amin'ny andininy faha 17.
Toy hoe hazo misy aretina izay tsy mamokatra ary vonona ny ho kapaina no firesak'i Yaveh ny vahoakan'Israely. Io dia fanambarana fa nihaosa ny vahoaka, ary tsy ho ela ny fahavalon'izy ireo dia ho avy handresy azy ireo.
1 Israely dia voaloboka mandrobona izay mamokatra ny voany. Araka ny nitomboan'ny voany, no habetsaky ny alitara nataony. Araka ny namokaran'ny taniny maro, no nanatsarany ireo andrim-batony. 2 Mamitaka ny fon'izy ireo; ankehitriny dia tsy maintsy hibaby ny helony izy ireo. Ho arodan'i Yaveh ny alitaran'izy ireo; ho ravainy ireo andrim-batony. 3 Fa hilaza izy ireo hoe: "Tsy manana mpanjaka isika, satria isika tsy natahotra an'i Yaveh, ary ny mpanjaka—inona no mety ho ataony amintsika?" 4 Niteniteny foana izy ireo ary nanao fanekena tamin'ny fianianan-tsy to. Koa nitsimoka tahaka ny ahi-dratsy misy poizina eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny. 5 Ny mponin'i Samaria dia hatahotra noho ireo ombivavin'i Betavena. Nisaona teo amin'izy ireo ny vahoakany, tahaka ny nataon'ireo mpisorona mpanompo sampy izay efa niravoravo teo amin'izy ireo sy ny famirapiratan'izy ireo, saingy tsy any intsony izy ireo. 6 Ho entina any Asyria ho fanomezana ho an'ny mpanjaka lehibe izy ireo. Ho afa-baraka Efraima, ary ho menatra amin'ireo sampiny Israely. 7 Ho rava tahaka ny tapa-kazo eo ambony rano ny mpanjakan'i Samaria. 8 Ho rava ny toerana avon'ny faharatsiana rehetra. Izany no fahotan'Israely! Ny tsilo sy ny ahitra dia hitombo eo amin'ny alitaran'izy ireo. Hilaza amin'ny tendrombohitra ny vahoaka hoe: "Sarony izahay!" ary amin'ny havoana hoe: "Mianjerà aminay!" 9 "Ry Israely, efa hatramin'ny andron'i Gibea ianao no nanota; tany ianao no nitoetra. Tsy hahatratra ireo zanaky ny ratsy ao Gibea ve ny ady? 10 Raha sitrako izany, dia hanafay azy ireo Aho. Hiaraka hivondrona hanohitra azy ireo ny firenena ary hametraka azy ireo amin'ny fatotra noho ny helok'izy ireo misosona. 11 Efraima dia omby vavy kely voafolaka izay tia mively vary, koa hanisy zioga eo amin'ny vozony tsara tarehy Aho. Hanisy zioga eo amin'i Efraima Aho; hiasa tany i Joda; Jakoba ihany no hisintona ny fandravonana. 12 Mamafaza fahamarinana ho an'ny tenanareo, ary jinjao ny Mamafaza fahamarinana ho an'ny tenanareo, ary jinjao ny voakatry ny tsy fivadiham-panekena. Vakio ny tany mbola tsy nohasainareo, fa fotoana hitadiavana an'i Yaveh izao, mandram-piaviny sy handatsahany fahamarinana eo aminareo. 13 Efa namboly faharatsiana ianareo; dia nijinja ny tsy rariny. Efa nihinana ny voan'ny fitaka ianareo satria nahatoky ireo paikadinareo sy ireo miaramilanareo maro. 14 Koa hisy tabataban'ady eo amin'ireo vahoakanao, ary ho rava ireo tanànanao voaaro mafy rehetra. Ho tahaka an'i Bet-arbela noravan'i Salamana tamin'ny andron'ny ady izany, rehefa torotoro niaraka tamin'ireo zanany ireo reny. 15 Ka hiseho aminao izany, ry Betela, noho ny halehiben'ny faharatsianao. Vao maraina no hanesorana tanteraka ny mpanjakan'Israely."
Miresaka momba an'Israely i Hosea.
Resahina toy ny vaoloboka izay mamoa be ny Israely. Niroborobo sy natanjaka vetivety ny vahoaka.
Mamoa mihoatra ny tokony ho izy io voaloboka io.
Ireo dia samy midika fa niroborobo sy niha-natanjaka sy nanan-karena ny vahoaka.
Ny "fo" dia maneho ny ao anatin'ny olona. "Mamitaka izy ireo"
"ankehitriny no fotoana izay hamaizan'i Yaveh azy ireo nohon'ny fahotany"
Miresaka momba an'Israely i Hosea.
Hilaza ny mpanjaka fa tsy afaka nanampy azy ireo ny mpanjakany. DH: "Na dia manana mpanjaka aza izy izao, dia tsy afaka hanampy anay."
Eto ny "teniteny foana" dia ilazana ny lainga. DH: "Milaza lainga"
Izay antsoin'ny olona hoe rariny araka ny lalàna sy amin'ny fanapahana any amin'ny fitsarana dia resahina toy ny hoe zava-maniry mitsimola. DH: "Koa ny fanapahan-kevitr'izy ireo dia tsy marina; fa mampidi-doza kosa"
Miely manerana ny firenen'izy ireo ny lainga sy ny tsy fahamarinany ka mamely ny rehetra tahaka ny zava-maniry mizy poizina.
Miresaka momba an'Israely i Hosea.
Tanàna iray teo amin'ny fari-tany teo anelanelan'ny fanjakana tavaratr'Israely sy ny fokon'i Benjamina any amin'ny fanjakana tatsimo izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:15.
Io dia azo atao hoe DH: "Ho entin'ny Asyriana ... izy ireo"
Io dia azo atao hoe DH: "Ary ho menatra tanteraka ny vahoakan'Israely satria nanompo sampy"
Maro ireo dikan-teny no mandika ny teny Hebreo amin'ity andalan-teny ity hoe "torohevitra," "tetika," na "fikasana"
Io dia azo atao hoe DH: "Ho potehin'ny Asyriana ny mpanjakan'i Samaria"
Midika izany fa tsy ho afa-manoatra tahaka ny tapa-kazo izay mitopatopa eny amin'ny rano ny mpanjakan'i Samaria.
Io dia azo atao hoe DH: "Ho potehin'ny Asyriana ireo fitoerana avon'Israely, izay nanaovan'ny olona ratsy"
Raha ny tena izy dia tsy miresaka amin'ny zavatra izay tsy afaka misaina na mandre azy ireo ny olona. Mahazo misafidy endrika hafa ny mpandika teny ho an'ity andalan-teny ity raha tsy mamela azy hanao fiteny tahaka izao ny fiteniny. DH: "Dia hilaza ny olona hoe: 'Irinay mba hanarona anay ny tendrombohitra!' ary 'Irinay mba hianjera aminay ny havoana!"'
Miteny Yaveh.
Mety entina hanondroana ny fihetsika manafintohina ataon'ny fokon'i Benjamina izay tantaraina ao amin'ny Mpitsara 19-21 io. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 9:8.
Ity andalan-teny ity dia mety midika fa ny olona amin'izany fotoana izany dia nanao tahaka ny fomba izay nataon'ny razany tao Gibea hatrany. DH: "ary misaina tahaka ny nataony ianao"
Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hanindriana fa ireo izay any Gibea izay manao ratsy dia hiharitra ady tokoa. Ary ny olona izay tsy maintsy mizaka ady rehefa tonga ny fahavalony dia resahina toy ny hoe olona izay hahazo azy ireo ny ady. DH: "Ho avy amin'ireo izay manao ratsy any Gibea tokoa ny ady." na "Hanafika ireo izay manao ratsy any Gibea tokoa ireo fahavalo."
Eto ny hoe "zanaky ny" dia fomba fiteny izay midika "fananana ny toetran'ny." DH: "ireo izay manao ratsy" na "ireo mpanao ratsy"
Miteny Yaveh.
Manondro ireo fahotana maron'Israely io.
Tia mively vary ny omby vavy kely satria afaka mandendeha malalaka tsy misy zioga. Ny tian'i Yaveh ambara dia namela ny olon'Israely halalaka ka hanana fiainana mahafinaritra Izy.
Eto ny "zioga" dia ilazana ny fijaliana sy ny fanandevozana. Tsara fanahy tamin'ny vahoakan'Israely i Yaveh, saingy tsy nahatoky taminy ny vahoaka. Hanafay azy ireo Izy ary handefa azy ireo ho andevo.
Eto "Joda" dia manondro ireo olona ao amin'ny fanjakana tatsimo ary "Jakoba" dia ireo vahoakan'ny fanjakana tatsimo. Midika izany fa hahatonga fotoan-tsarotra amin'ireo fanjakana roa ireo Andriamanitra.
fitaovana ampiasaina hampahitsy ny tany ary hanarona ireo voa aorian'ny fiasana tany
Miteny Yaveh.
Ny fahamarinana sy ny tsy fivadiham-panekena dia resahina toy ny hoe vokatra izay azo afafy sy jinjaina.
Rehefa tsy "voahasa" sy tany dia mbola tsy vonona ny hambolena. Ny tian'i Yaveh ambara dia tiany hibebaka ny olony mba hahafahan'izy ireo manao izay marina.
Ny faharatsiana sy ny tsy rariny dia resahina toy ny hoe vokatra izay azo afafy sy jinjaina.
Ny vokatry ny fitaka dia resahina toy ny hoe sakafo izay azo hohanina. DH: "Ankehitriny ianareo dia mizaka ny vokatry ny fifamitahanareo"
Ny ady mbola ho avy dia ampitahaina amin'ny ady taloha ela be.
Anarana mpanjaka iray izay namotika ny tanànan'i Bet-arbela tokny ho tamin'ny taona 740 talohan'i Jesosy Kristy izany. Namono vehivavy sy ankizy tamin'ny fanafihana ny tafiny.
Mety ho anarana tanànan'ny fokon'i Naftaly io.
Eto "Betela" dia ilazana ireo olona monina ao. Resahin'ny mpaminany toy ny hoe mihaino azy ireo vahoakan'i Betela.
1 "Fony mbola tovolahy Israely dia notiaviko, ary niantso ny zanako lahy hivoaka an'i Egypta Aho. 2 Arakaraka ny niantsoana azy ireo, no nanalaviran'izy ireo Ahy. Ary nanao sorona ho an'i Bala sy nandoro ny ditin-kazo manitra ho an'ny sampy izy ireo. [1]3 Kanefa Izaho no nampianatra an'i Efraima handeha. Izaho no nitrotro azy ireo teo amin'ny sandriny, saingy tsy fantatr'izy ireo fa nikarakara azy ireo Aho. 4 Tamin'ny kofehin'ny maha-olombelona no nitarihiko azy ireo, tamin'ny fatoran'ny fitiavana. Tahaka ny olona izay nanamaivana ny zioga teo amin'ny valanoranon'izy ireo Aho, ary niondrika teo amin'izy ireo Aho ka namahana azy ireo. 5 Tsy hiverina any amin'ny tanin'i Egypta ve izy ireo? Tsy hanapaka eo amin'izy ireo ve Asyria satria mandà ny hiverina amiko izy ireo? 6 Hilatsaka amin'ny tanànan'izy ireo ny sabatra ary hamotika ny hidin'ny vavahadiny; handrava azy ireo izany noho ny tetik'izy ireo ihany. 7 Nanapa-kevitra ny hiala amiko ny oloko. Na dia miantso Ilay Avo Indrindra aza izy ireo, dia tsy hisy na iray aza hanampy azy ireo. 8 Ahoana no handaozako anao, ry Efraima? Ahoana no hanolorako anao, ry Israely? Ahoana no hanaovako anao tahaka an'i Adma? Ahoana no hanaovako anao tahaka an'i Zeboima? Niova ny tao anatin'ny foko; efa niakatra ny fangoraham-poko rehetra. 9 Tsy hanatanteraka ny fahavinirako Aho; tsy handringana an'i Efraima intsony. Fa Andriamanitra Aho fa tsy olona; Izaho Ilay Masina eo aminareo, ary tsy ho avy amin'ny fahatezerana Aho. 10 Hanaraka an'i Yaveh izy ireo; ary hierona tahaka ny liona Izy. Rehefa mierona Izy, dia ho avy am-pangovitana avy any andrefana ireo zanany. 11 Ho avy am-pangovitana tahaka ny vorona avy any Egypta izy ireo, tahaka ny voromailala avy any amin'ny tanin'i Asyria. Hampitoeriko ao an-tranony izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh. 12 Hodidinin'i Efraima amin'ny lainga aho, ary ny taranak'Israely amin'ny fitaka. Kanefa Joda dia mbola miaraka amiko, Andriamanitra, ary mahatoky Ahy, ilay Iray Masina."
Miresaka momba ny fikarakarana an'Israely tahaka ny fikarakaran'ny ray aman-dreny ny zanany i Yaveh.
Ny vahoakan'Israely dia resahin'i Yaveh toy ny hoe tovolahy. Ny nanombohany niaraka tamin'io firenena io voalohany no resahin'i Yaveh.
Ny "zanako lahy" dia manondro ny vahoakan'Andriamanitra Ray. DH: "nitondra ny zanako lahy nivoaka an'i Egypta Aho"
Io dia azo atao hoe DH: "Arakaraka ny niantsoako azy ireo ho oloko, no vao mainka nandavany Ahy"
Miresaka momba ny nikarakarany an'Israely i Yaveh.
Toy ny hoe zaza kely izay ampianariny mamindra no firesak'i Yveh an'Israely.
Ity teny ity dia manohy ilay sarinteny. DH: "nikarakara azy ireo"
Tian'i Yaveh tamin'ny fomba izay tsapan'izy ireo sy ankasitrahany amin'ny maha-olombelona ny olony.
Toy ny hoe biby miasa fatratra izay namorainy ny asany no firesak'i Yaveh ny firenen'Israely.
Ity teny ity dia manohy ny sarinteny izay nanaovana an'Isrely ho tovolahy. Mety midika izany fa nanome izay ilain'izy ireo ara-nofo rehetra Yaveh.
Miresaka momba an'Israely i Yaveh.
Io fanontaniana io dia midika fa ho andevo indray tahaka azy ireo tany Egypta ny firenen'Israely.
Ho babon'i Asyria ny firenen'Israely ho vokatry ny fandavan'izy ireo tsy hitoetra mahatoky amin'i Yaveh.
Eto ny "sabatra" dia maneho ny fahavalon'Israely izay handrava ny tanànan'Israely.
Ny vavahady no mampisy fandriam-pahalemana ho an'ny mponin'ny tanàna lavitry ny fahavalony, ary ny hisiny no miaro ilay vavahady mihidy.
Eto Andriamanitra dia miresaka ny amin'ny tenany. DH: "Na dia miantso Ahy, Ilay Avo Indrindra aza izy ireo"
Tsy hamela na iza na iza hanampy an'Israely i Yaveh satria niala taminy izy ireo.
Miresaka momba an'Israely i Yaveh.
Tena tian'Andriamanitra tokoa ny olona hany ka tsy ho ringaniny tanteraka. Azo adika ho fanambarana tsotra ireo fanontaniana ireo. DH: "Tsy hahafoy anao Aho, ry Efraima. Tsy hanolotra anao Aho, ry Israely."
Tena tian'Andriamanitra tokoa ny olona hany ka tsy ho ringaniny tanteraka. Azo adika ho fanambarana tsotra ireo fanontaniana ireo. DH: "Tsy te hanao tahaka ny nataoko tamin'ny Adma aminao aho na hanao anao tahaka an'i Zeboima—izay tanàna noravako niaraka tamin'i Sodoma"
Tsy tahaka ny olona izay malaky manapa-kevitra ny hamaly faty Andriamanitra.
Eto ny "fo" dia ilazana ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fanapahan-keviny.
Ny teny hoe "fahatezarena" dia azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra "tezitra." DH: "Tsy ho avy eo aminao sy ho tezitra aminao Aho"
Miresaka momba ny amin'ny hanarenany ny vahoakany Yaveh.
Ny fanompoana sy fanajana an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe manaraka Azy.
Ny fanaovan'i Yaveh ny fiverenan'ny olony amin'ny taniny ho azo atao dia resahina toy ny hoe miantso ny olony izy.
Hiverina hody haingana tahaka ny fiverenan'ny vorona amin'ny akaniny izy ireo. Ny "fangovitana" dia mety maneho ny fikopakopaky ny elatry ny vorona. Mety maneho ny fanetren'ny olona tena sy ny fanajany fatratra an'Andriamanitra.
"izay nambaran'i Yaveh" na "izay nolazain'i Yaveh tamin'ny fomba manetriketrika." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:12.
Miresaka momba an'Israely sy Joda i Yaveh.
Ny lainga sy ny fitaka dia resaina toy ny hoe zavatra izay nataon'ny vahoakan'ny fanjakana tavaratra nanodidina an'i Yaveh.
Mbola tsy mivadika amin'Andriamanitra ny vahoakan'ny fanjakana tatsimo. Eto ny hoe "miaraka amiko" dia maneho ny fiarahana amin'Andriamanitra. Na izany aza, misy dikan-teny maro manana fandikana samihafa momba an'io andalan-teny manahirana io.
1 Efraima mihinan-drivotra ary manaraka ny rivotra avy any atsinanana. Mampitombo isa ireo lainga sy herisetra mandrakariva izy. Manao fanekena miaraka amin'i Asyria ary mitondra menaka oliva ho any Egypta izy ireo. 2 Manana ady amin'i Joda ihany koa i Yaveh ary hanafay an'i Jakoba noho ireo izay nataony; hamaly azy Izy noho ireo asany. 3 Tao an-kibo no nihazonan'i Jakoba ny rahalahiny tamin'ny vodi-tongony, ary tamin'ny fahalebiazany no niadivany tamin'Andriamanitra. 4 Niady tamin'ilay anjely izy ka naharesy. Nitomany sy nitaraina ho an'ny sitrany izy. Nahita an'Andriamanitra tao Betela izy; tany no niresahan'Andriamanitra taminy. 5 Izao no Yaveh, ilay Andriamanitra tompon'ny maro; "Yaveh" no anarany hiantsoana Azy. 6 Koa miverena amin'ny Andriamanitrareo. Tandremo ny fanekena mahatoky sy ny rariny, ary mahandrasa mandrakariva an'Andriamanitrareo. 7 Ny mpivarotra dia manana mizana diso eo an-tanan'izy ireo; tia fanambakana izy ireo. 8 Hoy Efraima hoe: "Tonga nanan-karena be tokoa aho; nahita harena ho an'ny tenako aho. Tsy hahita heloka amiko amin'ny asako rehetra izy ireo, izay rehetra mety ho fahotana." 9 "Izaho no Yaveh Andriamanitrareo avy any amin'ny tany Egypta. Hamponeniko anaty lay indray ianareo, tahaka ny tamin'ny firavoravoana voatondro. 10 Niteny tamin'ireo mpaminany Aho, ary nanome fahitana maro ho azy ireo ho anao. Tamin'ny tanan'ireo mpaminany no nanomezako fanoharana." 11 Raha misy faharatsiana ao Gileada, dia zava-poana tokoa ny olona. Ataon'izy ireo sorona ao Gilgala ireo ombilahy; ho tahaka ny antontam-bato ao anatin'ireo saham-bavasa ny alitaran'izy ireo. 12 Nitsoaka ho any amin'ny tanin'i Syria i Jakoba; niasa mba hahazo vady i Israely; ary niandry ondry aman'osy izy mba hahazo vady. 13 Nitondra ny Israely hivoaka ny tany Egypta tamin'ny alalan'ny mpaminany i Yaveh, ary tamin'ny alalan'ny mpaminany no nikarakarany azy ireo. 14 Nahatezitra mafy an'i Yaveh i Efraima. Noho izany dia hamela ny ràny eo aminy ny Tompony ary hamerina aminy ny fahafaham-barakany.
Miteny i Hosea mpaminany.
Eto "Efraima" dia maneho ny vahoakan'Israely rehetra. Ary ny "rivotra" koa dia maneho zavatra izay tsy misy ilàna azy sady mandalo. Ny fanaovan'ny vahoaka zavatra tsy manampy azy ireo dia resahina toy ny hoe mihinan-drivotra izy ireo.
Ny rivotra avy any atsinanana dia mafana be sady mamotika ny tany. Eto izany dia maneho ny zavatra rehetra izay manimba. Ny fanaovan'ny olona zavatra izay hanimba azy ireo ihany dia resahina toy ny hoe manaraka ny rivotra avy any atsinanana izy ireo.
Nandefa menaka oliva ho fanomezana ho an'ny mpanjakan'i Egypta ny vahoakan'israely mba hiezahana handresy lahatra azy hanampy azy ireo.
Ny filazan'i Yaveh fa nanota taminy sy nandika ny didiny ny vahoakan'i Joda dia resahina toy ny hoe miampanga azy ireo eny amin'ny fitsarana Yaveh. Jereo ny nandikanao andian-teny mitovy amin'io ao amin'ny 4:1.
Eto "Joda" sy "Jakoba" dia samy maneho ny olon'i Joda. DH: "amin'ny vahoakan'i Joda ... hanafay azy ireo noho izay nataony ... hamaly azy ireo noho ireo asany"
Io dia fitarainana ataon'ny olona iray amin'ny olona iray hafa any amin'ny fitsarana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:2.
Miresaka momba an'i jakoba razamben'ireo Israelita i Hosea mpaminany.
Te hahazo ny toeran'ny rahalahiny amin'ny maha lahimatoa azy i Jakoba, koa dia nitady ny hanakana ny rahalahiny tsy ho teraka voalohany izy.
Niady tamin'ny anjely i Jakobe mba hitahian'ilay anjely azy.
Miteny i Hosea mpaminany.
Eto ny "anarana" dia ilazana ny toetran'Andriamanitra manontolo. DH: "no anarany hivavahantsika" na "no anarany hiderantsika Azy"
Maneho ny fankatoavana ny lalàn'Andriamanitra sy ny fanaovana ny marina io.
Miresaka momba an'Israely i Hosea mpaminany.
Mampiasa mizana izay tsy dia mandanja ny lanjan'ny vola na ny vokatra izy vidiany na amidiny ny mpanao raharaham-barotra.
Misoloky amin'ireo mpanjifany amin'ny fandaingana sy fakana vola mihoatra izay tokony ho alainy ny mpanao raharaham-barotra.
Mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary midika fa mihevi-tena ho ambinina tokoa ireo vahoakan'i Efraima.
Ny fahatongavana ho mpanan-karena amin'ny fivarotana dia resahina toy ny hoe mahita harena. DH: "Nahary vola betsaka aho"
Mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary manamafy fa mihevi-tena ho tsy misy tsiny ireo vahoakan'i Efraima. Ny fahafantarana fa nanota ny olona iray dia resahina toy ny hoe nahita fahotana tamin'izany olona izany. DH: "tsy ho hain'izy ireo fa nanao zavatra feno fahotana aho"
Miresaka amin'ny vahoakan'Israely i Yaveh.
Ireo mety ho heviny dia 1) "Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra ny razanareo avy tany amin'ny tany Egypta" na 2) "Efa Andriamanitrareo hatramin'ny ianareo tao amin'ny tany Egypta Aho" na 3) "tonga Andriamanitrareo Aho fony tany amin'ny tany Egypta ianareo"
Ireo mety ho heviny dia 1) Mandrahona ny hanery ny vahoakan'Israely hiala amin'ny fonenany i Yaveh ka hampitoetra azy ireo anaty lay. Koa, eto ny hoe "monina anaty lay" dia maneho ny fandefasana ho babo, na 2) fampanantenana izany fa aorian'ny fahababoana dia honina anaty lay indray ny vahoaka, ary Yaveh no hikarakara azy ireo tahaka ny nataony fony nandao an'i Egypta ireo Israelita. Koa, eto ny hoe "monina anaty lay" dia maneho ny fiverenana amin'ilay toe-javatra tsara niainana fony nikarakaran'i Yaveh ny vahoakany.
Eto ny "tanana" dia maneho ilay iray izay manantanteraka ny asa. DH: "Tamin'ny alalan'ireo mpaminany"
Miteny i Hosea mpaminany.
Hazera ary ho lasa antontam-bato ireo alitara izay nivavahan'ny olona.
Eto "Jakoba" sy "Israely" dia manondro olona mitovy. Lasa Israely ny anaran'i Jakoba taty aoriana kely tamin'ny fiainany.
Miteny i Hosea mpaminany.
Izany hoe, i Mosesy.
Lehibe tokoa ny hatezerana izay nateraky ny olona tao amin'i Yaveh.
Eto ny "rà" dia ilazana ny vesatra hanamelohana ny olona izay mamono ny hafa. Tsy hamela ny helony Andriamanitra.
Ny hevitry ny fampizakana ny vokatry ny asan'ny olona iray ihany dia resahina toy ny hoe zavatra izay natsipy niverina taminy ihany ilay nataony. DH: "hampijaly azy nohon'ny asa mahamenatra nataony ihany"
1 "Rehefa niteny i Efraima, dia nisy hovitrovitra. Nanandratra ny tenany tany Israely izy, nefa lasa meloka noho ny fanompoana an'i Bala izy, ka maty. 2 Miha-manota hatrany izy ireo ankehitriny. Manao sary sokitra vy amin'ny volafotsiny izy ireo, sampy natao tsara araka izay azo natao, ireo rehetra ireo dia asan'ny mpanao asa tanana. Nilaza ny amin'izy ireo ny olona hoe: 'Ireo olona izay manao sorona ireo dia manoroka zanak'omby.' 3 Ka ho toy ny rahon'ny maraina izy ireo, toy ny ando izay mora maina, toy ny akofa izay tsofin'ny rivotra avy eo amin'ny famoloana, ary toy ny setroka mivoaka amin'ny fivoahan-tsetroka. 4 Fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo avy amin'ny tany Egypta. Aoka ianareo tsy hanaiky Andriamanitra afa-tsy Izaho ihany; aoka ianareo hanaiky fa ankoatra Ahy, dia tsy misy mpamonjy hafa. 5 Fantatro ianareo tany an-tany efitra, tany amin'ny tany fahamainana lehibe. 6 Rehefa nanana ahitra ianareo, dia voky; ary rehefa voky ianareo, dia nisandratra ny fonareo. Noho izany antony izany dia nanadino Ahy ianareo. 7 Ho lasa toy ny liona ho azy ireo Aho; toy ny leoparda no hiambenako manaraka ny lalana. 8 Hamely azy ireo tahaka ny bera very anaka Aho. Handriatra ny tratran'izy ireo Aho, ary handrapaka azy ireo eo tahaka ny liona, tahaka ny hamiraviran'ny bibidia azy ireo Aho. 9 Handringana anareo Aho, ry Israely; iza no afaka hanampy anareo? 10 Aiza ny mpanjakanareo izao, mba hanavotra anareo any amin'ny tanànanareo rehetra? Aiza ireo mpanapakareo, izay efa nolazainareo tamiko hoe: 'Omeo mpanjaka sy andrian-dahy aho'? 11 Nanome anareo mpanjaka tamin'ny fahatezerako Aho, ary nanala azy tamin'ny fahavinirako. 12 Efa notehirizina ny helok'i Efraima; notehirizina ny helony. 13 Ny fangirifirian'ny fiterahana dia ho tonga eo aminy, fa zanaka lahy tsy manam-pahendrena izy, satria rehefa tonga ny fotoana ahaterahana, dia tsy mivoaka avy ao am-bohoka izy. 14 Hamonjy azy ireo amin'ny tanan'ny fiainan-tsy hita ve Aho? Hamonjy azy ireo amin'ny fahafatesana ve Aho? Aiza, ry fahafatesana, ny areti-mandringanao? Aiza, ry fiainan-tsy hita, ny fandringananao? Miafina amin'ny masoko ny fangorahana." 15 Na dia nanan-karena teo amin'ireo rahalahiny aza i Efraima, dia hisy rivotra avy any atsinanana ho avy; hitsoka avy any an-tany efitra ny rivotr'i Yaveh. Ny loharanon'i Efraima dia ho ritra, ary ny fantsakany dia tsy hisy rano. Handroba ny trano fitehirizany ny zava-tsarobidy rehetra ny fahavalony. 16 Ho meloka i Samaria, satria nikomy nanohitra ny Andriamaniny izy. Ho lavon'ny sabatra izy ireo; ho torotoro ireo zanany mbola tanora, ary ho triarina ireo renin'izy ireo mitondra vohoka.
Miteny Yaveh.
Mampiasa ny teny hoe "Efraima" i Hosea mba hilazana ny fanjakana tavaratra manontolo, na dia anaran'ny iray amin'ireo foko folo ihany koa aza izany. Toa miresaka momba ny taloha efa ela be i HOsea, fony natanjaka sy nomen-kaja ny fanjakana tavaratra, tsy tahaka ny ankehitriny.
Ny teny latsaka hoe "teo amin'ireo firenena" dia efa azo eto. Nahatsapa fietrena teo anatrehan'ny fanjakana tavaratra ireo firenen-kafa. DH: "nisy hovitrovitra teo amin'ireo firenena hafa"
Eto ny hoe "nanandratra" dia midika hoe manao ny tenan'ny olona iray ho ambony.
Rehefa nanomboka nanompo an'i Bala ny vahoakan'i Efraima, dia niha-osa, ary nandresy azy ireo ny fahavalony. Eto ny hoe "maty" dia ilazana ilay firenena miha-osa.
Eto "izy ireo" dia manondro ny fokon'i Efraima sy ny firenen'Israely manontolo, izay nanaraka ny ohatr'i Efraima.
Anisan'ny fanompoana sampy ny fanorohana sarivongana izay miendrika zanak'omby.
Io fiteny io dia manambara fa mandalo ihany Israely ary hanjavona tsy ho ela raha manohy manompo sampy fa tsy manaraka an'i Yaveh.
Io dia azo atao hoe: DH: "izay entin'ny rivotra"
Resahin'i Yaveh toy ny hoe andian'ondry izay hitany nirenireny teny an'efitra ny olony. Nambarany fa niantso azy ireo ho Azy ihany izy ireo tany.
Nambaran'i Yaveh fa niantso ny vahoaka Hebreo ho olony manokana ihany Izy, ary nikarakara azy ireo tany.
Mitohy amin'ity fiteny ity ilay kisarisary momba ny ondry.
Eto ny "fo" dia ilazana ny ao anatin'ny olona amin'ny maha-izy azy manontolo. DH: "lasa nihareha ianareo"
Ny fahatongavana ho mpiavonavona dia resahina toy ny hoe misandratra.
Miteny Yaveh.
Ireo dia bibidia izay mamely ary mamono biby. Manohy milaza Yaveh fa handringana ny olony nohon'ny fahotan'izy ireo.
Ny teny hoe "famelezana" eto dia nesorina satria efa azo. DH: "tahaka ny famelezan'ny bera very anaka"
Ny teny hoe "fandrapahana" eto dia nesorina satria efa azo. DH: "tahaka fandrapahan'ny liona"
Miteny Yaveh.
Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hanindriana fa tsy misy afaka manampy ny vahoakan'Israely. DH: "tsy hisy afaka hanampy anao."
Mametraka ireo fanontaniana ireo Yaveh mba hilazana amin'Israely fa rehefa mikomy amin'i Yaveh izy ireo, dia tsy hisy mpanjaka na mpanapaka afaka hanampy azy ireo. Yaveh irery ihanyno afaka mamonjy azy ireo amin'ny fandringanana.
Miteny Yaveh.
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy ary mitovy hevitra ihany.
Ny heloka sy ny fahamelohan'ny fanjakana tavaratra dia resahina toy ny hoe zavatra izay azo tehirizina nohon'ny antony manokana.
Eto Yaveh dia miresaka momba ny fanaintainana izay hiaretan'ny vahoakan'Israely toy ny hoe fanaintainan'ny fiterahana.
Izao Yaveh dia mamaritra ny vahoakan'Israely toy ny hoe zazakely izay ateraky ny reniny. Tsy hendry ilay zaza satria tsy te ho teraka. Tsy te hibebaka ny olona ary hankatoa an'i Yaveh.
Miteny Yaveh.
Mampiasa ireo fanontaniana ireo Yaveh mba hilazana ny vahoakan'Israely fa tsy hamonjy azy ireo tsy ho faty Izy. Hanafy azy ireo tokoa Izy. DH: "Tsy hanavotra anareo amin'ny fahafatesana sy tsy hidina any amin'ny Fiainan-tsy hita tokoa Aho."
Meresaka amin'ny "fahafatesana" sy ny "fiainan-tsy hita" toy ny hoe olona Yaveh. Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hilazana fa handringana ny olona tsy ho ela. DH: "Ankehitriny dia hahatonga areti-mandringana Aho ka hamela ny vahoakan'Israely ho faty. Haringako izy ireo ka alefako any amin'ny Fiainan-tsy hita."
Ny mety hisian'ny fangorahana dia resahina toy ny hoe zavatra izany.
Ny tsy fiheverana ny hanana fangorahana dia resahina toy ny hoe miafina ny fangorahana ka tsy hita. DH: "Tsy manana fangorahana amin'izy ireo Aho"
Miteny i Hosea mpaminany.
Io fiteny io dia toa entina ilazana ireo firenena manodidina ny fanjakana tavaratra, indrindra fa i Joda, ilay fanjakana tatsimo.
Ny rivotra avy any atsinana dia mafana be sady manimba. Eto izany dia ilazana ny tafika avy any atsinanana izay halefan'i Yaveh handringana ny vahoakan'Israely.
Manohy mamaritra ny fomba hamaizan'Andriamanitra ny vahoakan'Isarely i Hosea. Eto ny rano dia ilazana ny aina, fahavitrihana sy tanjaka.
Ilazana ny fananan'ny vahoaka rehetra io.
Miteny i Hosea mpaminany.
Eto "Samaria' dia ilazana ny olona ao amin'ny tanànan'i Samaria izay meloka nohon'ny fikomiana amin'Andriamanitra.
Ho faty ny olona.
Anaty ady.
DH: "ho torotoroin'ny fahavalo ny zanany mbola tanora, ary ho triatriarin'izy ireo ny vehivavy bevohoka"
1 Ry Israely, miverena amin'i Yaveh Andriamanitrao, fa lavo tamin'ny helokao ianao. 2 Mitondrà teny ary miverena amin'i Yaveh. Lazao Azy hoe: "Alao ny helokay rehetra ary ekeo izay tsara, mba ho afaka hanolotra ny vokatry ny molotray ho Anao izahay. [1]3 Asyria dia tsy hanavotra antsika; tsy hitaingin-tsoavaly ho any amin'ny ady isika. Na hiteny amin'ny asan'ny tanantsika intsony hoe: 'andriamanitray ianao,' fa ao Aminao ny kamboty no mahazo fangoraham-po." 4 Hanasitrana ny fivadihan'izy ireo Aho; hitia malalaka azy ireo Aho, fa hiala aminy ny hatezerako. 5 Ho tahaka ny ando Aho amin'Israely; hamony tahaka ny lilia sy hamaka tahaka ny sedera ao Libanona izy. 6 Hisandrahaka ireo sampany; ho tahaka ireo hazon'oliva ny hatsaràny, ary ny hanitra mameroverony dia tahaka ireo sedera ao Libanona. 7 Ny olona izay monina ao amin'ny alony dia hiverina; ho velombelona tahaka ny voa indray izy ireo ary hitsimoka tahaka ny voaloboka. Ho tahaka ny divain'i Libanona ny lazany. 8 Ry Efraima, inona ihany koa no mbola azoko ataoko amin'ny sampy? Hamaly azy Aho ary hikarakara azy. Tahaka ny kypreso izay maitso ravina mandrakariva Aho; avy Amiko no hitsirian'ny voanao." 9 Iza no hendry ka hahatakatra ireo zavatra ireo? Iza no mahatakatra ireo zavatra ireo ka hahalala azy ireo izy? Fa mahitsy ireo lalan'i Yaveh, ary ny marina dia handeha amin'ireo, fa ny mpikomy ho tafintohina amin'ireo.
Miteny i Hosea mpaminany.
Ny fanotana dia resahina toy ny hoe mianjera eto.
Mety midika teny faiken-keloka sy fiderana izany. "Miaike heloka"
Izay lazain'ny olona dia antsoina hoe vokatry ny molony. DH: "ny teninay sy ny hira fideranay"
Miteny i Hosea.
Ny "tanana" dia ilazana ny fanaovan'ny olona zavatra. DH: "amin'ny sampy namboarinay"
Io fiteny io dia ilazana ny firenena manontolo. Manondro ny fangorahana goavan'Andriamanitra amin'ny olona izany.
Eto ny fanana fangorahana dia resahina toy ny hoe zavatra izay iainan'ilay olona nahazo fangorahana.
Miteny Yaveh.
Ny fampitsaharana ny olona tsy hiala amin'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe manasitrana azy ireo Izy.
Ny tsy fahavitan'ny olona mankatoa an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe niala mivantana taminy izy ireo.
Andriamanitra dia resahina toy ny hoe ando izay mitondra hamandoana tena ilaina eo amin'ny zava-maniry, ary Israely dia resahina toy ny hoe olona iray, ary toy ny hoe voninkazo izay afaka mamony Izy.
Ny kisarisarin'Israely miendrika zava-maniry dia mitohy hatreto, saingy amin'ity indray mitoraka ity dia tahaka ny endrika sedera ao Libanona, izay zavatra fantatra amin'ny hazo tahaka izany.
Manohy ny sarinteny ity andalan-teny ity.
Miteny Yaveh.
Ho velona amin'ny fiarovan'Andriamanitra indray ny vahoakan'Israely. Resahina toy ny hoe mitoetra ao amin'ny alok'Andriamanitra i Israely.
Ny firoboroboan'Israely vaovao dia resahina amin'ny fiteny ara-pambolena.
Tahaka ny nampalaza ny divain'i Libanona no hampalaza an'Israely. DH: "Hahalala momba an'Israely avokoa ny olona na aiza na aiza"
Io andalan-teny io dia midika fa Andriamanitra dia hanakana ny vahoakan'Israely tsy hanompo sampy intsony.
Ny kypreso dia hazo izay maitso ravina mandava-taona
Eto ny "voa" dia ilazana ny zava-tsoa rehetra izay avy amin'i Yaveh.
Miteny i Hosea mpaminany.
Ampiasain'ny mpaminany ireo fanontaniana ireo mba hilazana fa hahatakatra sy hihaino izay nolazaina tamin'izy ireo ny olon-kendry.
Ny didin'i Yaveh dia resahina toy ny hoe lalana andehanana.
Ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe tafintohina am-pandehanana.
1 Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Joela zanaka lahin'i Petoela. 2 Ianareo loholona, henoy izao, ary mandrenesa ianareo mponina rehetra eo amin'ny tany. Efa nitranga ve izao tamin'ny andronareo na tamin'ny andron'ny razambenareo? 3 Lazao ny momba izany ny zanakareo, ary aoka ny zanakareo hiteny ny zanak'izy ireo, ary ny zanak'izy ireo amin'ny taranak'izy ireo manaraka. 4 Izay sisan'ny kijeja dia nohanin'ny andiam-balala; izay sisan'ny andiam-balala dia efa nohanin'ny valalavao; ary izay sisan'ny valalavao dia nohanin'ny sompanga. 5 Mifohaza, ianareo ry mpimamo, ary mitomania! Midradradradrà, ianareo rehetra mpisotro divay, satria ny divay mamy dia nesorina teo aminareo. 6 Fa nisy firenena iray niakatra teo amin'ny taniko, mahery sy tsy hita isa. Ny nifiny dia nifin'ny liona, ary manana ny nifin'ny liona vavy izy. 7 Nataony toerana mampihorohoro ny tanim-boaloboko ary notapahiny ny hazon'aviaviko. Nongotany ny hodi-kazony ary nariany izany; ireo rantsany dia tonga fotsy. 8 Aoka hisaona toy ny virijiny manao akanjo fisaonana amin'ny fahafatesan'ny vadiny tanora ianareo. 9 Ny fanatitra voa sy fanatitra sotroina dia nesorina tao amin'ny tranon'i Yaveh. Misaona ireo mpisorona, mpanompon'i Yaveh. 10 Rava ireo saha, misaona ny tany satria efa simba ny vary. Maina ny divay vaovao, mandamoka ny diloilo. 11 Mba menatra, ianareo tantsaha, ary midradradradrà, ianareo ry mpamboly voaloboka, nohon'ny vary tritika sy ny vary hordea. Fa ny vokatry ny saha dia efa levona. 12 Nalazo ny voaloboka ary maina ireo hazon'aviavy, ireo ampongabendanitra, ireo hazo palma ihany koa, ary ireo hazon'ny poma—nalazo avokoa ny hazo rehetra tany an-tsaha. Fa nalazo ny fifalian'ny taranak'olombelona. 13 Manaova akanjo fisaonana ary aoka hisaona, ianareo mpisorona! Midradradradrà, ianareo mpanompon'ny alitara. Manatona, ento matory mandritry ny alina manontolo ny akanjo fisaonana, ianareo mpanompon'ny Andriamanitro. Fa ny fanatitra voa sy ny fanatitra sotroina dia efa notazomina ao an-tranon'ny Andriamanitrareo. 14 Mangataha fifadian-kanina masina, ary mangataha fiangonana masina. Hangony ireo loholona sy ireo mponina ao amin'ny tanin'i Yaveh Andriamanitrareo, ary mitomania amin'i Yaveh. 15 Indrisy ry andro! Fa ny andron'i Yaveh dia efa akaiky. Ho avy miaraka amin'izany ny famotehana avy amin'ilay Tsitoha. 16 Tsy efa nesorina teo imasontsika ve ny sakafo, ary ny fifaliana sy ny firavoravoana tao amin'ny tranon'ny Andriamanitsika? 17 ireo voa dia lo any ambanin'ny baingan-tanin'ireo, foana ireo mpamatsy, ary potika ireo sompitra, satria nalazo ireo vary. 18 Izato fieron'ireo biby! Mijaly ny biby fiompy satria tsy manana tany fihinanam-bilona izy ireo. Mijaly ihany koa ireo andian'ondry aman'osy. 19 Ry Yaveh, mitalaho Aminao aho. Fa nolevonin'ny afo ireo fihinanam-bilona any an'efitra, ary lelan'afo no nandoro ny hazo rehetra tany an-tsaha. 20 Na ireo biby any an-tsaha aza dia midradradradra Aminao, satria ritra ny lohasaha, ary main'ny afo ireo fihinanam-bilona any an'efitra.
Miresaka amin'i Joela ny amin'ireo olon'Israely mampiasa ny tononkalo Andriamanitra.
"ny teny izay nolazain'i Yaveh Andriamnitra."
Ity dia anaran'Andriamanitra izay velona tamin'ny olona tany amin'ny testamenta taloha.
rain'i Joela.
D.H: "Mbola tsy nitranga mihitsy izany na talohanareo na ny razambeanareo."
Vondrom-ben'ny bibikely tahaka ny valalavao miara-manidina ary mihinana ireo vokatrin'ny sakafo'ny tany.
Ny tsirairay amin'ireo, dia valala lehibe afaka manidina, valala lehibe mora manidina, valala kely misy helany manidina ihany koa, ary zanaka valala izay tsy mbola nitombo helatra. Ampiasaina ireo anarana izay ahatakarana ny fiteninao.
Mampitandrina ny vahoakan'Israely mahakasika ny fahatongavan'ny andiam-balala Andriamanitra.
Raha teny iray ihany ny fiteninao ny amin'ny "mitomania! sy "midradradrà", dia azonao atambatra ny fitsipika: "ianareo izay tia divay dia aoka hidradradra ao amin'ny alahelo"
Ireo valala be dia tahaka ny fitetezan'ny tafika
Ireo valala dia tahaka ny firenena iray izay mitovy amin'ny olona iray. Azo anehoana ny firenena iray ny tahaka "izany", na amin'ny valala tahaka "azy ireo", na amin'ny mpirenireny tahaka ny olona iray (UDB).
Ireo teny roa mifanaraka ireo dia mizara dika mitovy. Ny fanehoana ny nifin'ireo valala dia maranitra tahaka ny nifin-diona manamafy ny fahasiahina miaraka amin'izay handevonan'izy ireo tanteraka ny vokatry ny tany.
Tany, tanim-boaloboka, ary hazon'aviavy an'Andriamanitra
Ireo izay mahita ny tany dia rikoriko na gaga satria rava tanteraka izany.
Manohy ny resany amin'ny vahoakan'Israely Andriamanitra.
Eto ny tany dia resahina toy ny hoe olona iray. Na izany aza anefa, ny dikan-teny sasany dia mandika izany andalan-teny izany ho fomba fiteny isan-karazany: "mitaraina ny tany."
Manohy ny resany amin'ny vahoakan'Israely Andriamanitra.
karazana ahitra, toy ny vary titrika, ka ireo voa dia azo ampiasaina anaovana mofo.
makina sady maty
Karazana voanakazo samihafa
Miresaka amin'ireo mpisoron'Israely Andriamanitra.
Milaza ireo mpisorona Andriamanitra hanetry tena ary hitaraina amin'ny alahelo. D.H: "Ianareo mpisorona rehetra aoka hisaona ary hidradradra sy hanetry tena amin'ny fahatoriana miaraka amin'ny akanjo fisaonana."
tapaka fanatitra ao amin'ny tempoly
tempoly ao Jerosalema.
Ity no resahin'Andriamanitra amin'ireo mpisorona mba hilaza.
D.H: "Efa hitantsika ny famatsian-tsakafontsika nampiasaina, ary efa nasorin'izy ireo ny hafaliana sy ny haravoana avy amin'ny tranon'Andriamanitra.
"avy amintsika". Ity dia maneho ny firenen'Israely rehetra.
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. Namafisin'izy ireo miaraka izany fa tsy misy karazana hafaliana miseho any amin'ny tempoly.
vongan-doto.
Manohy ny resany amin'ireo mpisorona ny fomba tokony hivavana ho an'Israely Andriamanitra.
anaovana feo mafy noho ny fanaintainana
Ireo andian-teny roa mitovy ireo dia miara-miasa hampisehoana izany tany rehetra izany, na nambolena na tsy, dia simba.
ivon-drano kely
1 Tsofy ny anjomara ao Ziona, ary ampanenoy ny fanairana any an-tendrombohitro masina! Aoka ny mponin'ny tany rehetra hangovitra amin'ny tahotra, fa ho tonga ny andron'i Yaveh; akaiky tokoa izany. 2 Andron'ny fahamaizinana sy aizim-pito izany, andron'ny rahona sy aizim-pito. Tahaka ny mangiran-dratsy izay miely eny amin'ireo tendrombohitra, manatona ny tafika lehibe sy matanjaka. Tsy mbola nisy tafika tahaka ity hatrizay, ary tsy hisy tahaka azy intsony, na aorian'ny taranaka fara mandimby maro aza. 3 Ny afo dia mandevona ny zavatra rehetra manoloana azy, ary ao ambadik'izany ny lelan'afo dia mirehitra. Ny tany dia tahaka ny saha Edena eo anoloan'izany, nefa ao ambadik'izany dia misy efitra foana. Tsy hisy na inona na inona handositra amin'izany tokoa. 4 Niendrika toy ny soavaly ireo tafika, ary mihazakazaka toy ny mpitaingin-tsoavaly izy ireo. 5 Mitsambikina miaraka amin'ny feo toy ny an'ireo sarety eny an-tampon'ny tendrombohitra izy ireo, tahaka ny feon'ny lelan'afo mirehitra izay mandevona ny mololo, tahaka ny tafika matanjaka vonona ho amin'ny ady izy ireo. 6 Ao anaty fangirifiriana ny olona ary lasa fotsy hatsatra ny tavan'izy ireo rehetra rehefa eo anatrehan'izy ireo. 7 Mihazakazaka tahaka ny mpiady matanjaka izy ireo; mihanika ireo manda toy ireo miaramila mpiady izy ireo; manao diabe amin'ny laharany avy izy ireo ary tsy vaky ny laharany. 8 Tsy mifanosika izy ireo; samy mandeha amin'ny lalany avy izy ireo; mamakivaky ny fiarovana izy ireo ary tsy rava ny laharana. 9 Mirohitra eny amin'ny tanàna izy ireo, ary mihazakazaka eny amin'ny manda, mihanika amin'ireo trano izy ireo, ary miditra eo am-baravarankely toy ny mpangalatra izy ireo. 10 Mihorohoro manoloana azy ireo ny tany, ary miozongozona ny lanitra, ny masoandro sy ny volana dia maizina, ary ny kintana dia mijanona mamiratra. 11 Manandratra ny feony manoloana ny tafiny i Yaveh, satria ireo mpiadiny dia maro an'isa tokoa; satria mahery izy ireo, ireo izay hanatanteraka ny didiny. Fa lehibe sy mahatsiravina tokoa ny andron'i Yaveh. Iza no ho velona amin'izany? 12 "Koa na dia ankehitriny aza" hoy i Yaveh hoe: "Miverena Amiko amin'ny fonareo manontolo. Mifadia hanina, mitomania, ary manaova fisaonana." 13 Viravirao ihany koa ny fonareo fa tsy ny fitafinareo ihany, ary miverena amin'i Yaveh Andriamanitrareo. Fa mamindra fo sy miantra Izy, tsy mora tezitra ary be famindram-po, ary hiala amin'ny fampitondrana famaizana Izy. 14 Iza no mahalala? Mety hiverina ve izy ary hanana fangoraham-po, ary hamela fitahiana aoriany, dia ny fanatitra voa sy fanatitra sotroina ho an'i Yaveh Andriamanitrareo? 15 Tsofy ny anjomara ao Ziona, miantsoa fifadian-kanina masina, ary miantsoa fivoriana masina. 16 Angony ny vahoaka, antsoy amin'ny fivoriana masina. Vorio ireo loholona, angony ny ankizy mbamin'ny zaza minono. Aoka ny mpampakatra hiala ao an'efitranony, ary ny ampakarina hiala an-trano fandriany. 17 Aoka ireo mpisorona, mpanompon'i Yaveh hitomany eo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara. Aoka izy ireo hilaza hoe: "Iantrao ny olonao, ry Yaveh, ary aza avela ho amin'ny fahafaham-baraka ny lovanao, ka hesoin'ireo firenena. Nahoana izy ireo no tokony hiteny amin'ireo firenena hoe: Aiza ny Andriamanin'izy ireo?'" 18 Koa dia saro-piaro ny amin'ny taniny i Yaveh ary niantra ny olony. 19 Namaly ny olony i Yaveh manao hoe: "Indro, handefa vary ho anareo, divay vaovao, ary menaka Aho. Ho afa-po amin'izany ianareo, ary tsy havelako ho afa-baràka eo amin'ireo firenena intsony ianareo. 20 Esoriko lavitra anareo ny mpanafika avy any avaratra, ary hitondra azy ireo ho eo amin'ny tany karakaina sy maina Aho. Ny loha-laharan'ny tafik'izy ireo dia handeha any amin'ny ranomasina atsinanana, ary vodi-laharany ho any amin'ny ranomasina andrefana. Hiakatra ny fofony, ary ny fofon-dratsiny hiakatra." Efa nanao zavatra lehibe tokoa izy. 21 Aza matahotra, ry tany, mifalia sy miravoa, fa Yaveh hanao zavatra lehibe. 22 Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa hitsimoka ny ahitra any an'efitra, hamoa ireo hazo, ary ny hazo aviavy sy ny voaloboka hamokatra feno. 23 Miravoa, ry vahoakan'i Ziona, ary mifalia ao amin'i Yaveh Andriamanitrareo. Fa hanome fararanon'orana ary handatsaka orana ho anareo Izy, fararanon'orana sy ny fararanon-dohataona toy ny teo aloha. 24 Ny famoloana dia ho feno vary, ary ireo vata ho feno divay vaovao sy diloilo. 25 "Hamerina amin'ny laoniny ireo taonan'ny vokatra izay efa nohanin'ny andiam-balala Aho—ny valala lehibe, ny valala mpandrava, ary ny valala mpanimba ho anao Aho— ny tafiko mahery izay nalefako eo aminareo. 26 Hihinana be dia be ianareo ary ho voky, ary miderà ny anaran'i Yaveh Andriamanitrareo, izay efa nanao fahagagana teo aminareo, ary tsy hitondra fahamenarana eo amin'ny oloko intsony Aho. 27 Hahafantatra ianareo fa eo amin'Israely Aho, ary Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, ary tsy misy ankoatra Ahy, ary tsy hitondra fahamenarana eo amin'ny oloko intsony Aho. 28 Ao aorian'izany dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho, ary ny zanakareo lahy sy zanakareo vavy dia haminany. Ny anti-dahinareo dia hanonofy, ny zatovonareo dia hahita fahitana. 29 Amin'ireo andro ireo, dia handrotsaka ny Fanahiko eo amin'ireo mpanompolahy sy mpanompovavy ihany koa Aho. 30 Hampiseho fahagagana eny amin'ny lanitra sy eo amin'ny tany Aho, dia rà, sy afo, ary setroka miredareda. 31 Ny masoandro hivadika haizina ary ny volana ho rà, alohan'ny ahatongavan'ny andron'i Yaveh izay lehibe sy mampihorohoro. 32 Izay rehetra miantso ny anaran'i Yaveh dia ho voavonjy. Fa eny amin'ny tendrombohitr'i Ziona sy any Jerosalema no hisy ireo izay tafandositra, araka izay voalazan'i Yaveh, ary eo amin'ireo sisa velona, ireo izay nantsoin'i Yaveh.
Manohy tononkalo i Joela izay nanomboka tany amin'ny toko voalohany.
Joela manamafy ny lanjan'ny antson'Israely miaraka amin'ny fiomanana ho an'ny fasimbana izay ho avy.
Ny teny "fahamaizinana" sy "haizim-pito" dia mizara dika mitovy ary manamafy ny hamafin'ny haizina. Ny fitambaran'ireo teny dia maneho ilay fotoan'ny loza na fitsaràna avy amin'Andriamanitra. D.H: "andro iray izay feno fahamaizinana" na "andro iray amin'ny fitsarana mahatsiravina."
maizina tanteraka na maizina
Ity andian-teny dia ity dia midika zavatra mitovy, ary manamafy ny andian-teny teo aloha. Tahaka ity andian-teny ity, "rahona" sy "aizim-pito" mitambatra anehoana ny fitsaran'Andriamanitra. D.H: "andro iray feno aizim-piton'ny kotro-baratrin'ny rahona."
D.H: "Tafika lehibe, matanjaka ho avy eo an-tendrombohitra amin'ny tany. Hiely eo amin'ny tany tahaka ny hazavana avy amin'ny fiposahan'ny masoandro izy ireo"
Ny teny "lehibe" sy "matanjaka" dia mizara dika mitovy eto ary manamafy ny herin'ny tafika. D.H: "korontana lehiben'ireo valala" (UDB) na "tafik'olona maro be."
Mitohy ny famaritan'i Joela ny fahatongavan'ny tafika.
Ny sahan'i Edena dia toerana mahafinaritra.
Ity dia anehoana fanoherana iray hanasongadinana ny famotehan'ny afo izay mitranga.
Mitohy ny famaritana amin'ny korontan'ny tafiky ny mpitaingin-tsoavaly.
Biby lehibe sady haingam-pandeha amin'ny tongotr'efatra.
Ny lohan'ny valala iray dia tahaka ny lohan-tsoavaly kely ary ireo tafika dia matanjaka sy haingana toy ny soavaly.
Haingam-pifindra ireo tafika, tahaka ny olona mitaingin-tsoavaly.
Soavaly mitsambikina na mandingana ohatra ireny mitsoaka ireny.
Ireo dia nitaha tamin'ny feom-balala.
Manohy ny famaritana ireo tafi-balalan'i Yaveh i Joela.
Ny tafi-balala dia voafaritra tahaka ny fiasan'ireo miaramila tena izy.
ireo manda manodidina ny tanàna.
Mitohy ny famaritana ireo tafi-balalan'i Yaveh.
D.H: "miaro ireo miaramila miaro ny tanàna izy ireo.
Misy andiam-balala maro izay manozongozona ny tany sy ny lanitra, ary ireo zava-drehetra eny amin'ny lanitra dia tsy afaka jerena intsony.
Mampiseho ny hery sy ny didin'Andriamanitra eo amin'ireo tafika i Yaveh. D.H: "manana fahefana i Yaveh"
Amin'ity andian-teny famaritana mitambatra ity dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny. D.H: "tsiravina lehibe"
D.H: "Tsy hisy na iray hatanjaka ka ho velona amin'izany fitsaran'Andriamanitra izany."
D.H: "Mialà amin'ny fahotanareo ary manolora tena tanteraka amiko."
Fandriahana akanjo iray dia asa ivelan'ny henatra na fahafaham-baraka. "Triaro ny fonareo" midika fananana toe-tsaina mahalala menatra ao anaty.
mijanona
"Mety hiverna amin'ny fahatezerany Yaveh ... Andriamanitra."
efitra, ao an-tranon'ny ray aman-dreny matetika, izay andrasan'ny ampakarina ny fampakaram-bady.
Ny vahoakan'Israley izay, olon'Andriamanitra manokana
D.H: "Tokony tsy hilaza amin'ny Andriamanitr'Israely ireo firenen-kafa tamin'ny nandaozany ireo olony."
"firenen'Israely"
"vahoakan'Israely"
"Mitandrina izay ho lazaiko"
"tsy mendrika haja"
Manohy ny famapanantenany amin'Israely Andriamanitra.
Ireo toro-dalana ireo dia avy amin'ny fomba fijerin'ny olona mitoetra any amin'ny tanin'Israely.
"aza matahotra , ry olon'ny tany"
voly tsara ho sakafo dia hameno ny tany.
orana voalohany amin'ny fotoam-pahavaratra ny londohan'ny volana Desambra ary ny orana farany ny volana Aprily sy May
fitoeran-javatra lehibe ho an'ny rano
"ireo vokatra izay nokarakarainao nandritry ny taona nefa nohanin'ireo andiam-balala"
Ny tsirairay amin'ireo, dia valala lehibe afaka manidina, valala lehibe mora manidina, valala kely misy helany manidina ihany koa, ary zanaka valala izay tsy mbola nitombo helatra. Ampiasaina ireo anarana izay ahatakarana ny fiteninao.
Manohy ireo fampanantenana ireo zavatra tsara amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Manohy ireo fampanantenana ireo zavatra tsara amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
"Atolotro ankalalahana ny fomba handrarahan'olona rano."
"ny olona rehetra"
Manohy ny resany momba ireo zavatra hataony amin'ny hoavy i Yaveh.
"rà" dia manamarika ny fahafatesan'ny olona. D.H: "fahafatesana, afo setroka miredareda."
Eto ny teny "rà" dia maneho loko mena. Azonao ampiana ny matoanteny amin'ity andian-teny ity. D.H: "ary hivadika mena tahaka ny rà ny volana"
Eto ny teny "lehibe" miova ny teny "horohoro". D.H: "andro lehibe mampihorohoro."
ireo dia maneho toerana mitovy. D.H: "eo an-tendrombohitr'i Ziona any Jerosalema."
D.H: "ireo izay sisa velona hantsoin'i Yaveh."
olona izay miaina amin'ny tranga mampiorohoro tahaka ny ady na ny loza.
1 Indro, amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, rehefa hampody ny sesitanin'i Joda sy Jerosalema Aho, 2 dia hanangona ny firenena rehetra Aho, ary hitondra azy ireo hidina eo amin'ny Lohasan'i Josafata. Hitsara azy ireo eny Aho, noho ny amin'ny Israely oloko sy lovako, izay niparitahan'izy ireo teo amin'ireo firenena, ary noho ny nizaran'izy ireo ny taniko. 3 Nanao filokana ho an'ny oloko izy ireo, ary nivarotra ny zazalahy ho an'ny mpivaro-tena, ary nivarotra ny zazavavy ho an'ny divay mba ho sotroin'izy ireo. 4 Ankehitriny, nahoana no tezitra Amiko ianareo, ry Tyro, Sidona ary ny faritr'i Filistia rehetra? Hamaly faty Ahy ve ianareo? Na dia hamaly faty Ahy aza ianareo, dia ho averiko eo amin'ny lohanareo avy hatrany ny sazinareo. 5 Fa naka ny volafotsiko sy ny volamenako ianareo, ary hitondra ny harena sarobidy ao amin'ny tempolinareo Aho. 6 Nivarotra ny olon'i Joda sy Jerosalema amin'ireo Grika ianareo, mba hanesorana azy ireo lavitry ny faritaniny. 7 Indro, hampiala azy ireo amin'ny toerana izay nivarotanareo azy ireo Aho, ary hanonitra eo amin'ny lohanareo. 8 Hivarotra ny zanakareo lahy sy zanakareo vavy, eo an-tanan'ny olon'i Joda Aho. Hivarotra azy ireo ho amin'i Sabeana izy ireo, any amin'ny firenena lavitra. Fa Yaveh no efa niteny. 9 Ambarao eo amin'ireo firenena izao hoe: 'Omano amin'ny ady ny tenanareo, fohazo ireo lehilahy mahery, aoka hanatona izy ireo, aoka ny lehilahin'ady rehetra hiakatra. 10 Tefeo ho sabatra ny fangadinareo ary ho lefona ny antsy fandrasanareo. Aoka ny osa hiteny hoe: "Mahery aho." 11 Faingana ary tongava, ianareo firenena rehetra eny manodidina eny, vorio miaraka eny ny tenanareo. Ry Yaveh, ampidino ireo lehilahy mpiady maherinao.' 12 Aoka hifoha ireo firenena ary hiakatra ho ao amin'ny Lohasahan'i Josafata. Fa ao no hitoerako hitsara ny firenena rehetra manodidina. 13 Apetraho ny antsy fijinjana, fa ny vokatra dia matoy. Miavia, potsipotsero ny voaloboka, fa feno ny famiazana. Mihoatra ny vata fitatazana, fa ny faharatsian'izy ireo dia goavana." 14 Misy tabataba, dia tabataba ao amin'ny Lohasahan'ny Fitsarana. Fa antomotra ny andron'i Yaveh ao amin'ny Lohasahan'ny Fitsarana. 15 Ny masoandro sy volana ho lasa maizina, ary ireo kintana hihazona ny famirapiratany. 16 Hierona avy any Ziona Yaveh, ary hanandratra ny feony ao Jerosalema. Hiozongozona ny tany sy ny lanitra, nefa Yaveh dia ho fialofan'ny olony, ary fiarovana mafy ho an'ny olon'Israely. 17 "Dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina. Koa dia ho masina Jerosalema, ary tsy misy tafika hanao diabe eo aminy indray. 18 Ho tonga izany amin'ny andro izay hipoiran'ny divay mamy amin'ny tendrombohitra, ny havoana dia hikoriana ronono, ny lohasahan-driakan'i Joda rehetra dia hikoriana rano, ary loharano dia ho tonga avy amin'ny tranon'i Yaveh ary ny rano avy amin'ny Lohasahan'i Sitima. 19 Ho tonga faharavana nilaozana i Egypta ary Edoma ho lasa efitra foana, noho ny herisetra natao tamin'ny olon'i Joda, satria nandatsaka ràn'olona tsy manan-tsiny tao amin'ny taniny izy ireo. 20 Fa i Joda dia honenana mandrakizay, ary Jerosalema honenan'ny taranaka fara-mandimby. 21 Hamaly faty ny ràn'izay tsy mbola novaliako ho faty Aho," Fa Yaveh monina ao Ziona.
Manohy ny resaka momba ireo tranga hoavy Andriamanitra.
Ny teny "indro" eto dia manampy fanasongadinana amin'izay manaraka.
Ny andian-teny "amin'izany fotoana izany" dia midika zavatra mitovy, ary manamafy ny andian-teny "amin'izany andro izany." D.H: "amin'izany andro izany" na "tena amin'izany fotoana izany."
D.H: "Rehefa hamerina ireo sesin-tany any Joda sy Jerosalema aho"
Ireo andian-teny roa ireo dia manamafy ny fomba fijerin'i Yaveh an'Israely ny maha olona sarobidy azy ireo. D.H: "ny olon'Israely, izay lovako."
Ireo dia fanoharan-javatra isan-karazany nataon'izy ireo ary tsy nilaza izay nataon'izy ireo tamin'ireo zaza roa samihafa. D.H: "ary nanao ireo zavatra toy ny fivarotana zazalahy ho an'ny mpivaro-tena sy famarotana zazavavy ho an'ny divay, mba hisotroan'izy ireo."
Miresaka amin'ny vahoakan'ny firenena izay manodidina an'ny Israely Andriamanitra.
Mampiasa ity fanontaniana ity Andrimanitra handatsàna ny vahoakan'ny Tyra, Sidona, Filista. D.H: "tsy manana ny marina ho tezitra amiko ianareo"
"hanao valifaty amiko ve ianareo?" mampiasa ity fanontaniana ity Andriamanitra mba hampisainana ny olona ny momba izay ho ataon'izy ireo. D.H: "Mihevitra ianareo fa afaka hamaly faty Ahy"
Eto ny teny "loha" dia maneho olona iray. Ny valifaty izay nokasain'izy ireo hatao tamin'i Yaveh, dia hataony mitranga eo amin'izy ireo. D.H: "Ho ampijaliako noho ny valifaty izay nokasainareo atao amiko ianareo"
"valifaty" na "fanonerana"
Hiala amin'ny toerana izay naha andevo azy ireo ny olon'Israely ary hiverina amin'ny tanin'Israely.
D.H: "hamerina izay hahamendrika anareo"
D.H: "amin'ny herin'ny vahoakan'ny Joda" na "amin'ny vahoakan'ny Joda"
ny olon'ny Sabea, izay nantsoina hoe Seba. Ireo olona nitoetra tany atsimon'ny Israely.
Ireo andian-teny roa ireo dia milaza fampiomanana ireo miaramila ho amin'ny ady.
"mampivonona ireo lehilahy mahery ho amin'ny ady."
Ireo andian-teny roa ireo dia midika mitovy. Ny fitambaran'ireo dia mampianatra ny olona hanova ireo zavatra fampiasa ho lasa fitaovam-piadiana.
fitaovana izay ampiasaina amin'ny fangadiana ny tany mba hambolena ireo vokatra.
ireo antsy izay ampiasaina hanapahana sampana madinika
"vorio miaraka ny tenanareo ho amin'ny ady."
Ao afovoan'izany hafatra ho an'ny fahavalon'Israely izany, ity fehezanteny ity dia manendry an'i Yaveh. Mety hampitahorana ny fahavalon'izy ireo amin'ny tafik'i Yaveh izany.
Manohy ny resany amin'ireo firenena Yaveh.
Ny teny "firenena" sy "ireo firenena manodidina" dia maneho ireo firenena mitovy izay manodidina an'i Joda. Hitsara azy ireo eny amin'ny lohasahan'i Josafata Yaveh ny amin'izay efa nataon'izy ireo tany Jerosalema.
Mety midika hoe 1) ny fanafihana eo amin'ny mpanotan'ny firenena dia tahaka fahavokaram-bary sy fipotserana voaloboka, na 2) ny fahamaikan'ny fitsaràna ireo mpanotan'ny firenena tahaka ny fahamaikan'ny fanangonana vokatra matoy sy fipotserana ireo voaloboka.
Miresaka ireo firenena toy ny saham-bokatra izay matoy amin'ny fahavokarana i Yaveh. D.H: "Apetraho ny antsy fijinjana, fa ny firenena dia tahaka ny vokatra matoy."
"hasavily ny antsy fijinana anapahana vary."
antsy maranitra be ampiasain'ny olona amin'ny fanapahana vary.
"efa ho vokatra sahady ny vary"
Miresaka ireo firenena toy ny hoe fehezam-boaloboka eny am-pamihazana i Yaveh, vonona ho an'ny olona hipotsitra ireo. D.H: "Miavià, potsero ny firenena, fa tahaka ny voaloboka eny am-pamihazana izy ireo."
Miresaka ny faharatsian'ny firenena toy ny hoe ranom-boakazo mikoriana avy amin'ny famihazana makao amin'ny vata izay namindrana izany Yaveh. Ireo vata dia tsy lehibe mahafeno ny isan'ireo habean'ny faharatsiana izay mikoriana ao amin'izany.
Ny tabataba dia feo mafy noho ny vahoaka be. Ity dia niverimberina hampisehoana fa izany dia feo mafy avy amin'ireo vahoaka rehetra.
Ity andian-teny ity dia miverimberina hampisehoana fa ny fitsaràna dia hitranga tokoa.
Ireo andian-teny mitambatra ireo dia maneho amin'i Yaveh mihiaka mafy, feo mazava sy mahery avy any Jerosalema. Raha fiteny iray ihany no hanananao amin'ny fihikiahana dia afaka nampiasaina ho andian-teny iray izany. D.H: "Hihiaka mafy avy ao Jerosalema i Yaveh."
Mety midika hoe 1) "Hierona tahaka ny liona i Yaveh" na "Hierona tahaka ny kotroka i Yaveh."
Ny fiheron'i Yaveh dia mahery ka hahatonga ny tany sy ny lanitra mitambatra hiozona.
Ireo andian-teny roa ireo dia midika ny hiarovan'i Yaveh ny olony. Ny fiarovana dia fialofana mahery nampiasaina hiarovana ny olona mandritry ny ady. D.H: "Ho fiarovana mahery ho an'ny olony i Yaveh."
Manohy ny resany mahakasika ny andron'i Tompo i Yaveh.
"divay mamy hipoitra avy amin'ny tendrombohitra." Ity dia fanitarana iray hampisehoana fa ny tany dia mahavokatra. D.H: "Eo an-tendrombohitra dia hisy tanim-boaloboka izay hamokatra divay mamy betsaka"
"hikoriana avy amin'ny havoana ny ronono." D.H: "hamokatra ronono betsaka eo an-kavoana ireo ondry aman'osy nareo"
"ny rano hikoriana eo amin'ny lohasahan-driaka rehetran'ny Joda"
"handefa rano makany amin'ny lohasahan'i Akasia." "Sitima" dia anaran-toerana any amin'ny ilany atsinanan'ny Reniranon'ny Jordana. Izany dia midika "ireo hazo Akasia."
D.H: "Ho rava i Egypta ary dia handao izany ny olona" na "fahavalon'ny firenena handrava an'i Egypta ary ny vahoakan'ny Egypta hiala ny fireneny"
"Ho lasa tany efitra i Edoma ary handao izany ny olona"
"noho ireo zavatra herisetran'i Egypta ary Edoma nanao tamin'ny olon'ny Joda."
"ràn'olona tsy manan-tsiny" dia maneho ireo olona tsy manan-tsiny izay novonoina. D.H: "satria namono olona tsy mana-tsiny tao amin'ny tanin'ny olon'ny Joda i Egypta sy Edoma."
Manohy ny rasaka momba ny andron'i Tompo i Yaveh.
D.H: "Honenan'ny olona mandrakizay Joda"
D.H: "honenan'ny olona Jerosalema, ireo taranaka fara-mandimby aty aoriana."
D.H: "Ho fahaiziko ireo fahavalo izay namono ny olon'ny Israely sy izay efa voasazy"
1 Ireto zavatra mahakasika an'Israely ireto no noraisin'i Amosa, iray tamin'ireo mpiandry ondry tao Tekoa, tao amin'ny fanambarana. Nandray ireo zavatra ireo izy tamin'ny andron'i Ozia mpanjakan'ny Joda, ary koa tamin'ny andron'i Jeroboama zanaka lahin'i Joasy mpanjakan'Israely, roa taona mialohan'ilay horohorontany. 2 Hoy izy hoe: "Hierona avy any Ziona i Yaveh; hampiakatra ny feony avy any Jerosalema Izy. Ho maina ny ahitr'ireo mpiandry ondry; halazo ny tampon'i karmela." 3 Izao no lazain'Yaveh hoe: "Noho ireo fahotana telo nataon'i Damaskosy, eny, na efatra aza, dia tsy hanala ny sazy Aho, satria fitaovana vy no nivelesan'izy ireo an'i Gileada. 4 Handefasako afo ny taranak'i Hazaela, ary handevona ireo fiarovana mafin'i Beni-Hadada Aho. 5 Ho tapahiko ny vy eo amin'ny vavahadin'i Damaskosy ary handringana ilay lehilahy izay monina ao Bikata Avena Aho, ary koa ilay lehilahy izay mitazona ny tehim-panjakana ao Bet-Edena. Ny vahoakan'i Syria dia handeha ho amin'ny fahababoana any Kira," hoy Yaveh. 6 Izao no lazain'Yaveh hoe: "Noho ireo fahotana telo nataon'i Gaza, eny, na efatra aza, dia tsy hanala ny sazy Aho, satria nataon'izy ireo ho babo ny vahoaka manontolo, mba hanolorana azy ireo an'i Edoma. 7 Handefa afo amin'ireo rindrin'i Gaza Aho, ary handevona ireo fiarovana mafiny izany. 8 Ho aringako ilay lehilahy izay monina ao Asdoda sy ilay lehilahy izay mitazona ny tehim-panjakana avy any Askelona. Hanohitra an'i Ekrona ny tanako, ary ho faty ireo Filistina tavela," hoy ny Tompo Yaveh. 9 Izao no lazainy Yaveh hoe: "Noho ireo fahotana telo nataon'i Tyro, eny, na efatra aza, dia tsy hanala ny sazy Aho, satria nanolotra ny vahoaka manontolo an'i Edoma izy ireo, ary nandika ny fifanekem-pirahalahiany izy ireo. 10 Handefa afo eo amin'ireo rindrin'i Tyro Aho, ary handevona ireo fiarovana mafiny izany." 11 Izao no nolazain'i Yaveh hoe: "Noho ireo fahotana telo nataon'i Edoma, eny, na efatra aza, dia tsy hanala ny sazy Aho, satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy ary nanary ny famindram-po rehetra. Ny hatezerany dia nitohy mandrakariva, ary naharitra mandrakizay. 12 Handefa afo eo Temana Aho, ary handevona ny lapan'i Bozra izany." 13 Izao no nolazain'i Yaveh hoe: "Noho ireo fahotana telo nataon'ny vahoakan'i Amona, eny, na efatra aza, dia tsy hanala ny sazy Aho, satria nanataka ireo vehivavy bevoka tao Gileada izy ireo, mba hanitaran'izy ireo ny faritaniny. 14 Handrehitra afo eo amin'ireo rindrin'i Raba Aho, ary handevona ireo lapa izany, miaraka amin'ny hiaka amin'ny andron'ny ady, miaraka amin'ny tafio-drivotra amin'ny andron'ny tadio. 15 Handeha ho amin'ny fahababoana ny mpanjakan'izy ireo, izy mbamin'ireo manam-boninahiny," hoy Yaveh.
Azon'i Amosa ny zavatra rehetra izay itany na reny avy amin'Andriamanitra.
Mitovy hevitra ireto teny roa ireto. Asongadin'izy ireo miaraka fa nanao feom-pifaliana tahakan'ny anomanany ny fitsarana ny firenena i Yaveh.
tahaka 1) ny liona na 2) ny kotroka
Io no anaran'Andriamanitra izay nambara tamin'ireo vahoaka tao amin'ny Testamenta taloha. Jereo hoe ahoana fomba nandikana ny mahakasika an'i Yahveh ao amin'ny fandikan-teny maneran-tany.
"Amin'ny fahotana maro... amin'ny fahotana maro ihany koa" na "Satria... nanota be, afaka mamela nohon'ny fahotana Aho."
"Afaka manasazy soamantsara ireo olona Aho"
Eto ny hoe "manapaka" dia midika koa hoe "manimba" na "manary."
Mitovy amin'ilay lehilahy izay mipetraka ao Bikata Avena ihany ny hevitr'izany raha amin'ny dikan-teny taty aoriana.
Amin'ny dikan-tany taty aoriana, "Ny vahoaka izay monina ao Bikata Avena." Ny hevitry ny teny hoe: "ny lehilahy" eto dia midika hoe mpanjaka.
Anaran-tanàna
Hafa amin'ilay Sahan'i Edena
Ny mpanjaka na lehibe
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:3.
Eto ny hoe "aringana" dia azo adika koa hoe "simbaina" na "ariana."
Amin'ny dikan-teny taty aoriana ny hevitr'izany, "Ny olona izay miaina ao Asdoda." Ny teny hoe "ilay olona" mazàna dia heverina hoe ny mpanjaka.
Everina ho mitovy amin'ilay lehilahy izay miaina ao Asdoda raha atao amin'ny dikan-teny taty aoriana.
Na "hiady hanohitra an'i Ekrona Aho"
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:3.
"fifanekena izay natao mba ho mpirahalahy"
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:3.
"naharitra hatramin'izao ny fahatezerany"
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:3.
"Miaraka amin'ireo zavatra ratsy izay niseho tamin'ny voalohany"
Zavatra roa ateraky ny tafiotra mafy
tafiotra mafy izay misy rivotra manao foribolana manodidina
1 Izao no lazain'i Yaveh: "Noho ireo fahotana telon'i Moaba, eny na efatra aza, dia tsy hanala ny famaizana Aho, satria izy ireo dia nandoro ireo taolan'ny mpanjakan'i Edoma ho sokay. 2 Handefa afo eo amin'i Moaba Aho, ary holevoniko ny fiarovana mafin'i Kiriota, ho faty ao anatin'ny kotaba sy hiaka ary ny feon'anjomara i Moaba. 3 Ho ravako ny mpitsara ao aminy, ary ho vonoiko miaraka aminy ny andriana rehetra," hoy i Yaveh. 4 Izao no lazain'i Yaveh: "Noho ireo fahotana telon'i Joda, eny na efatra aza, dia tsy hanala ny famaizana Aho, satria izy ireo dia nanary ny lalàn'i Yaveh ary tsy nitandrina ireo didiny. Nampandeha azy ireo tany amin'ny lalan-diso ny laingan'izy ireo, dia nandeha nanaraka izany ihany koa ireo razany. 5 Handefa afo eo amin'i Joda Aho, ary ho levoniko ireo fiarovana mafin'i Jerosalema." 6 Izao no lazain'i Yaveh: "Noho ireo fahotana telon'Israely, eny efatra aza, dia tsy hanala ny famaizana Aho. Satria namidin'izy ireo volafotsy ny tsy manan-tsiny ary ny mahantra ho kapa. 7 Nanitsaka ny lohan'ny mahantra tahaka ny fanitsahan'ny olona ny vovoka amin'ny tany izy ireo; nandroaka ny ory izy ireo. Ny lehilahy sy ny rainy dia samy mandry amin'ny vehivavy iray ihany ary mandoto ny anarako masina. 8 Mandry eo anilan'ny alitara rehetra amin'ny akanjo azo tamin'ny antoka izy ireo, ary ao an-tranon'Andriamanitr'izy ireo no hisotroany ny divay izay avy amin'ireo voasazy. 9 Nefa efa noravako teo anoloan'izy ireo ny Amorita, ny halavan'izany dia tahaka ny halavan'ny sedera, natanjaka tahaka ireo Ôka. Efa noravako ny voany ambony, sy ny fakany ambany. 10 Ary koa, nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Aho ka nitarika anareo efapolo taona tany an-efitra mba ahazoana ny tanin'ny Amorita. 11 Nanandratra mpaminany avy tamin'ireo zanakalahinareo sy Nazirita avy tamin'ireo zatovonareo Aho. Moa tsy izany ve, ry vahoakan'Israely? —Izany no fanambaran'i Yaveh. 12 Nefa ianareo dia nandresy lahatra ireo Nazarita hisotro divay ary nandidy ireo mpaminany tsy haminany. 13 Indro, hanitsaka anareo tahaka ny fanitsahan'ny sarety feno vary ny olona Aho. 14 Tsy hahita handosirana ny olona kinga; tsy hampitombo ny heriny ny matanjaka; na ny mahery hahavonjy ny tenany. 15 Tsy ahajoro ny mpandefa tsipìka; tsy ho afa-mandositra ny mpihazakazaka aingam-pandeha; tsy hahavonjy ny tenany ny mpitaingin-tsoavaly. 16 Na dia ny mpiady be herim-po aza dia handositra mitanjaka amin'izany andro izany —Izany no fanambaran'i Yaveh."
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:3.
Lavenona sisa tavela rehefa nandoro apaham-bato
"Ho faty ny vahoakan'i Moaba"
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:3.
Azo antoka tokoa eto fa midika hoe: "andriamanitra tsy izy " na " Sampy" izany teny izany.
Lazaina fa mpanompo sampy ny olona izay mandeha miankohoka anoloan'io andriamanitra tsy izy io.
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:3
Minia mandratra sy mamerimberina amin'ny fampiondrehana mafy
"Nanda ny tsy hihaino izy ireo rehefa niteny ny tsy rariny nihatra taminy ny ory"
"Izay lava noho ireo hazo lava fantatrareo ary lehibe noho ireo hazo lehibe indrindra izay hainareo"
Adikao amin'ny dikan-teny mitovy ireto teny ireto na aiza na aiza hipotran'izy ireo amin'ity boky ity.
DH: "Henoy" na "Omeo lanja izay lazaiko aminareo."
"Hitsoaka ny mpitana ny tsipika"
"Ho tratra ny mpihazakazaka aingam-pandeha"
"Ho faty ny mpitaingin- tsoavaly"
Ireo mety ho heviny dia 1) "mitsaoka tsy misy fitaovam-piadiana" na 2) "mitsaoka tsy manao akanjo."
Adikao amin'ny dikan-teny mitovy ireto teny ireto na aiza na aiza hipotranizy ireo amin'ity boky ity.
1 Henoy izao teny izay notenenin'i Yaveh taminareo izao, ry olon'Israely, amin'ireo fianakaviana manontolo izay nentiko hivoaka ny tany Egypta: 2 "Ianareo irery ihany no nofidiko amin'ireo fianakaviana rehetra eto ambonin'ny tany. Noho izany, dia hofaiziko ianareo noho ireo otanareo rehetra." 3 Moa ve hiaraka handeha ny roa raha tsy niombon-kevitra izy ireo? 4 Moa ve hierona any an'ala ny liona raha tsy misy haza izy? Moa ve hierona ao an-davany ny liona tanora raha tsy nahazo na inona na inona izy? 5 Moa ve afaka mianjera anaty fandrika ety amin'ny tany ny vorona raha tsy misy tadivavarana voapetraka ho azy akory? Moa ve hikatona ny fandrika ety amin'ny tany raha tsy nahazo na inona na inona akory izy? 6 Haneno ao an-tanàna ve ny trompetra ka tsy hangovitra ny olona? Ho avy ao an-tanàna ve ny loza raha tsy i Yaveh no nandefa izany? 7 Azo antoka fa tsy hanao na inona na inona i Tompo Yaveh raha tsy manambara ireo fikasany amin'ireo mpaminany mpanompony Izy. 8 Iza no tsy hahatahotra; raha nierona ny liona? Efa niteny ny Tompo Yaveh, iza no tsy haminany? 9 Ambarao any amin'ireo fiarovana mafin'i Asdoda izany, ary any amin'ny fiarovana mafin'ny tany Egypta; lazao hoe: "Miangòna ianareo eny amin'ireo tendrombohitr'i Samaria ary jereo ny fifanjevona be izay ao aminy, ary inona ny fahoriana ao aminy. 10 Fa tsy mahalala ny fanaovana ny marina izy ireo —izany no fanambaran'i Yaveh— Mitahiry herisetra sy faharavana ao amin'ny mandany izy ireo." 11 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo Yaveh hoe: "Hiodidina ny tany ny fahavalo. Handrava ireo fiarovanao mafy izy ary handroba ireo mandanao. 12 Izao no lazain'i Yaveh: "Tahaka ny famonjen'ny mpiandry ondry ny tongotra roa fotsiny amin'ny vavan'ny liona, na sombin'ny sofina, no hamonjena ny olon'Israely izay monina any Samaria, eo anjoron-tseza fotsiny, na koa eo anjorom-parafara ihany." 13 Mihainoa ary mijoroa ho vavolombelona manohitra ny ankohonan'i Jakoba —Izao no fanambarana nataon'ny Tompo Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro: 14 Fa amin'ny andro izay hamaizako ireo fahotan'Israely, dia ho faiziko ihany koa ny alitaran'i Betela. Hotapahina ireo tandroky ny alitara ary hianjera amin'ny tany. 15 Horavako ny trano ririnina miaraka amin'ny trano fahavaratra. Ho simba ny trano ivory ary ireo tranobe dia hanjavona, —izany no fanambaran'i Yaveh."
Valian'Andriamanitra ireo fanontaniana ireo ao amin'ny 3:7
Valian'Andriamanitra ireo fanontaniana ireo ao amin'ny 3:7
"Amin'ny voalohany ny Tompo Yaveh manambara ... Izy no mialoha ny zavatra rehetra"
Adikao tahakan'ny ao amin'ny 2:11 izany teny izany.
Seza lava malefaka ampy hitsorana
Sarotra takarina ity teny ity amin'ny Hebreo, ary hafa ny heviny amin'ny amin'ny dikan-teny taty aoriana. Ny famakafakana amin'ny UDB, mitovy amin'ny dikan-teny taty aoriana, mampiasa sarin-teny. Midika izany fa na dia iray amin'ny ankamaroan'ny Israelita no te ho voavonjy, mety ho voavonjy ny apahany amin'ireo entana ao an-trano raha misy firehetany.
Adikao amin'ny dikan-teny mitovy ireo teny ireo na aiza na aiza hipotrany ato amin'ity boky ity.
Mitovy amin'ny tandroka boribory mivoaka amin'ny sisiny izay miara-manantona ao amin'ny tsara ary marika hita-maso amin'ny nataon'Andriamanitra.
"Ny trano rehetra"
Ny nify sy ny tandroky ny biby lehibe
Adikao tahakan'ny ao amin'ny 2:11 ity.
1 Henoy izao teny izao, ianareo ry ombivavin'i Basana, ianareo izay any an-tendrombohitr'i Samaria, ianareo izay mampahory ny mahantra, ianareo izay manorotoro ny ory, ianareo izay milaza amin'ny vadinareo hoe: "Itondray zava-pisotro izahay." 2 Efa nianiana tamin'ny fahamasinany ny Tompo Yaveh hoe: "Indro, ho avy aminareo ny andro izay hakan'izy ireo anareo amin'ny farango, ary ny sisa aminareo amin'ny fintana. 3 Hivoaka eo amin'ilay vaky eo amin'ny mandan'ny tanàna ianareo, samy hanitsy amin'izany avy, ary hatsipy any ivelany mankany Harmona ianareo —izany no fanambaran'i Yaveh." 4 "Mandehana any Betela dia manotà, any Gilgala ka ampitomboy ny fahotana, ento isa-maraina ny soronareo, ny ampahafolon-karenareo isaky ny telo andro. 5 Manolora sorona fanati-pisaorana miaraka amin'ny mofo; manambarà fanati-tsitrapo; torio ireo, fa mahafinaritra anareo izany, ry olon'Israely —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. 6 Nomeko fanadiova-nify ianareo tany amin'ny tanànanareo rehetra ary tsy fahampian'ny mofo tao amin'ny toeranareo rehetra. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo—izany no fanambaran'i Yaveh. 7 Nanakana ny orana tsy ho eo aminareo ihany koa Aho raha mbola nisy telo volana hijinjana. Nataoko nanorana teo amin'ny tanàna iray, ary nataoko tsy nanorana teo amin'ny tanàna iray hafa. Ny ampahan-tany nisy orana, fa ny ampahany hafa izay tsy mba nisy orana dia maina. 8 Tanàna roa na telo no nivembena nankany amin'ny tanàna iray hafa mba hisotro rano, saingy tsy afa-po. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo —izany no fanambaran'i Yaveh. 9 Nampahory anareo tamin'ny fahamainan'ny voly sy ny bobongolo aho. Ny habetsahan'ny sahanareo, ny tanim-boalobokareo, ny hazon'aviavinareo, ary ny hazon'olivanareo— efa narapaky ny valala avokoa izy rehetra. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo— izany no fanambaran'i Yaveh. 10 Nandefa areti-mandringana teo aminareo toy ny teo amin'ny Egypta Aho. Novonoiko tamin-tsabatra ny tovolahinareo, nalaiko ny soavalinareo, ary nataoko teo amin'ny vavoronareo ny hamaimbon'ny tobinareo. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo— izany no fanambaran'i Yaveh. 11 Nandringana tanàna teo aminareo aho, toy ny tamin'ny nandringanan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora. Efa sahala amin'ny tapa-kazo mirehitra nosintonina avy tao amin'ny afo ianareo. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo— izany no fanambaran'i Yaveh. 12 Noho izany dia hanao zavatra mahatsiravina aminareo Aho, ry Israely; ary satria hanao zavatra mahatsiravina aminareo Aho, dia miomàna hihaona amin'ny Andriamanitrareo, ry Israely! 13 Fa indro, ilay nanao ny tendrombohitra ihany koa no nahary ny rivotra, mampiseho ny heviny amin'ny zanak'olombelona, mahatonga ny maraina ho aizina, ary manosiosy ny toerana avon'ny Tany. Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro, no anarany."
Milaza zavatra roa mitovy izy ireo dia ny fanoharana ny amin'ny fomba izay hakan'ny fahavalo ny olona tahakan'ny fakana trondro. DH: "faharavan'ny rehetra eo aminao ary manery anao hivoaka hiaraka amin'izy ireo" na "mametraka anao amin'ny fiantonana tahakan'ny trondro ka mitondra anao mivoaka."
Toerana izay namakian'ny fahavalo ny rindrina ao amin'ny tanàna mba ahafany miditra
"Hanipy anareo any ivelan'ny Harmona izy ireo" na "hanery anareo hiala ny tanàna ireo fahavalonareo ary handeha ivelan'i Harmona"
Mety ilay anaran-tanana izay tsy fantantsika izany. Na oharina amin'ny tendrombohitr'i Harmona izany, ary izany no dikany amin'ny dakan-teny taty aoriana.
Nampiasaina mba ahitana izay zavatra nolazain'Andriamanitra mahakasika marina ny hiseho ity andian-teny ity. Adikao tahakan'ny amin'ny 2:11 ity teny ity.
"Satria mandà ny hibebaka ianreo, mahatezitra Ahy mafy ireo sorona naterinareo tao Betela sy Gilgala"
Raha aseho eny rehetra eny ny fiteninareo nefa lavin'ny olona ny ahazo izany, izay manao izany zavatra izany no manao ratsy azy ireo nefa tsy nijanona nanao izany azy ireo izy ireo, ka te hampiasa izany ianao eto.
Raha tokony ho "isaky ny telo andro," amin'ny hevitra hafa "isaky ny telo taona." Izany satria isaky ny telo taona dia napetrak'ireo Israelita fa mitondra ny ampahafolon-karenany ho an'Andriamanitra izy ireo.
Adikao tahakan'ny nataonareo ao amin'ny 2:11.
"hanoanana" sy "tsy fahampi-tsakafo"
DH: "tsy nitsahatra nanota anohitra Ahy ianareo"
Adikao tahakan'ny nataonareo ao amin'ny 2:11.
"Indraindray aho nanome anareo erika ary indraindray nanome orana be dia be ihany koa"
Aretina mahamaina sy mamono ny voly
Voa ratsy izay nijanona tamin'ny mando ela loatra
Adikao tahakan'ny ao amin'ny 4:6 ireo teny ireo.
Adikao tahakan'ny nataonareo ao amin'ny 2:11 ireo teny ireo.
DH: "hanisy rivotra maimbo amin'ny tobinareo " na "tsy ho afaka hamoaka fofona maimbo amin'ny tobinareo ianareo."
Fofona ratsy, indrindra fa ny olona maty
DH: "Nanendry anareo hivoaka aingana amin'ny afo Aho tahakan'ny hanalako anareo amin'ny tapa-kazo nodorana" na "avelako andoro eny ho eny ianareo alohan'ny nanalako anareo hivoaka aingana ny afo."
Adikao tahakan'ny ao amin'ny 4:6 ireo teny ireo.
Adikao tahakan'ny ao amin'ny 2:11 ireo teny ireo.
1 Henoy ity teny izay nalaiko ho fitarainana eo aminao ity, ry ankohonan'Israely. 2 Lavo ny virijinin' Israely; ary tsy hitsangana intsony izy; nazera tamin'ny taniny izy; ary tsy misy na dia iray aza hanangana azy. 3 Fa izao no lazain'ny Tompo Yaveh: "Ilay tanàna izay nivoahan'ny arivo dia hanana zato tavela, ary ilay iray izay nivoahan'ny zato dia hanana folo tavela izay an'ny ankohonan'Israely." 4 Fa izao no lazain'i Yaveh tamin'ny ankohonan'Israely hoe: "Tadiavo Aho dia ho velona ianao! 5 Aza mitady an'i Betela; na miditra any Gilgala; aza mandeha any Beri-sheba. Fa Gilgala dia azo antoka fa ho babo, ary ho lasa tsinontsinona i Betela. 6 Tadiavo Yaveh dia ho velona ianao, raha tsy izany dia hivoaka toy ny afo ao amin'ny ankohonan'i Josefa Izy. Handrapaka izany, ary tsy hisy na iza na iza hamono izany any Betela. 7 Ireo olona ireo dia hamadika ny rariny ho zava-mangidy ary hanipy ny fahamarinana amin'ny tany!" 8 Andriamanitra nanao an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy; mamadika ny haizina ho maraina Izy; manao ny andro ho maizina miaraka amin'ny alina Izy ary miantso ny ranon'ny ranomasina; mandraraka ireo amin'ny velaran-tany Izy. Yaveh no anarany! 9 Mitondra faharinganana tampoka eo amin'ny mahery izy mba ho tonga eo amin'ny fiarovana mafy ny fandravana. 10 Mankahala ny olona rehetra izay manitsy azy ireo ao amin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, ary mankahala ny olona rehetra izay miteny ny marina izy ireo. 11 Satria manitsakitsaka ireo mahantra ianao ary maka ampaham-bary aminy— na dia nanorina trano vita tamin'ny vato aza ianao, dia tsy hipetraka ao amin'izany. Manana tanim-boaloboka mahafinaritra ianao, kanefa tsy hisotro ny divain'izany ianao. 12 Fa fantatro ny isan'ireo fandikan-dalànao sy ny halehiben'ireo fahotanao— ianao izay mampahory ny rariny, mandray ny kolikoly, ary mivily amin'ireo olona mila fanampina ao amin'ny vavahadin'ny tanàna. 13 Noho izany dia mangina amin'ny fotoana tahaka izany ny olon-kendry, satria fotoana ratsy izany. 14 Mitadiava ny tsara fa tsy ny ratsy, mba ho velona ianao. noho izany Yaveh, Ilay Andriamanitry ny maro, dia tena homba anao, araka ny lazainao fa Izy. 15 Hankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara, apetraho ny rariny ao amin'ny vavahadin'ny tanàna. Angamba Yaveh, ilay Andriamanitry ny maro hamindra fo amin'ireo sisa navelan'i Josefa. 16 Noho izany, izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny maro, ny Tompo hoe: "Ny fidradradradrana dia ho amin'ny ireo efa-joro rehetra, ary hilaza izany any amin'ny lalana rehetra izy ireo, 'Loza, loza!' Hiantso ireo mpamboly mba ho amin'ny fisaonana izy ireo ary ireo malahelo mba hidradradradra. 17 Hisy fidradradradrana ao amin'ireo tanim-boaloboka rehetra, satria handalo ao afovoanareo Aho," hoy Yaveh. 18 Loza ho anareo izay maniry ny andron'i Yaveh! Nahoana ianareo no maniry ny andron'i Yaveh? Ho fahamaizinana izany ary tsy hisy hazavana, 19 toy ny olona rehefa mandositra liona sy bera mifanena aminy, na miditra ao amin'ny trano sy mametraka ny tanany eo amin'ny manda ary manaikitra azy ny menarana. 20 Moa ve ny andron'i Yaveh tsy aizina fa tsy hazavana? Haizim-pito ary tsy misy famirapiratana? 21 "Halako, hataoko tsinontsinona ny firavoravoanareo, tsy maka maminy amin'ireo fivondronanareo manetriketrika Aho. 22 Na dia manolotra fanatitra dorana sy fanatitra hohanina Amiko aza ianareo, dia tsy handray ireo Aho, na hijery ny fanati-pihavanan'ireo biby matavinareo. 23 Esory tamiko ny tabataban'ireo hiranareo; tsy hihaino ny feon'ny lokanganareo aho. 24 Fa kosa, avelao hikoriana toy ny rano ny rariny, ary ny fahamarinana toy ny renirano mikoriana lalandava. 25 Nitondra sorona sy fanatitra tany an'efitra nandritry ny efa-polo taona ho ahy ve ianareo, ry ankohonan'Israely? 26 Hanandratra an'i Sokita ho mpanjakanareo ianareo, ary Kiona, andriamanitry ny kintanareo —sampy izay nataonareo ho anareo. 27 Noho izany dia halefako sesitany mihoatran'i Damaskosy ianareo," hoy Yaveh, izay Andriamanitry ny maro no anarany.
"matin'ny herisetra ny olon'Israaely... hitsangana izy ireo... nazera izy ireo... hanangana azy ireo"
"Manantona Ahy amin'ny fanampiana"
"Ho simba tanteraka i Betela" DH: "ho avy ny olona ka hanimba tanteraka an'i Betela"
"Lasa tahakan'ny afo izay mivoaka tsimoramora ary manimba ny ankamaroan'ny zavatra izy"
Miantso ny zavatra marina ary mamadika ny zavatra tsara ho tsinotsinona
na "manolana ny marina" na "aza manao ny marina fa milaza ny marina"
na "mamadika ny fahamarinana ho toy ny tsisy dikany tahakan'ny vovoka"
Tarika malaza
"Manambany"
"Aza mamela ny mahantra hilanja ireo trangam-pitsarany"
Tsy milaza zavatra ratsy manohitra ny hafa ireo olona tsy te hanao ratsy.
na "jereo fa voahazona ny fahamarinana ao amin'ny vavahadin'ny tanàna"
lava, mafy, fitomaniana mafy
DH: "Tsy tokony haniry ny andron'i Yaveh ianareo!"
"Zavatra ratsy, tsy tsara, hitranga amin'izany andro izany"
DH: "Ho fahamaizinana fa tsy fahazavana ny andron'i Yaveh!" na "Zavatra ratsy, tsy tsara, mety hitranga amin'ny andron'i Yaveh!"
Ny teny hoe: "tsinontsinona" dia manamafy ny teny hoe: "halako." Raha atambatra ireo teny roa ireo dia manasongadina ny herin'ny fankahalan'i Yaveh ny fivavahana manetriketrik'izy ireo. DH: "Halako mafy ny firavoravoanareo."
Feo mananihany
DH: Mety 1) "Tsy afaka ny andidy anareo hitondra sorona ho Ahy Aho... Israely!" na 2) "Mitondra sorona ianareo fa tsy ho ahy izany... Israely!"
Ireo andriamanitry ny sampy
1 Loza ho an'ireo izay mahazo aina ao Ziona, ary ho an'ireo izay milamina ao amin'ny tany havoan'i Samaria, ireo olo-malaza avy amin'ireo firenena tsara indrindra, izay hatongavan'ny taranak'Israely mba ho vonjena! 2 Hoy ireo mpitarika anareo: "Mandehana any Kalne ka mijere; avy ao dia mandehana any Hamata, ilay tanàna lehibe; avy eo dia midìna any Gatan'ireo Filistina. Moa ve tsara noho ireo fanjakanao roa ireo? Moa ve lehibe noho ny faritaninao ny faritanin'izy ireo?" 3 Loza ho an'ireo izay mampihemotra ny andron'ny loza sy mampanakaiky ny seza fiandrianan'ny herisetra. 4 Mandry eo am-pandriana ivory izy ireo ary mitsotsotra eo am-parafaran'izy ireo. Mihinana zanak'ondry avy amin'ireo ondry aman'osy izy ireo ary zanak'ondry avy amin'ny fihinanam-bilona. 5 Nihira ireo hira adaladala tamin'ny feon'ny harpa izy ireo; namoromporona zava-maneno tahaka ny nataon'i Davida. 6 Nisotro divay tamin'ny lovia jobo izy ireo ary nihosotra diloilo tsara indrindra, nefa tsy nalahelo ny amin'ny faharavan'i Josefa. 7 Koa handeha an-tsesitany miaraka amin'ireo sesitany voalohany izy ireo ankehitriny, ary ny firavoravoan'ireo izay mitsotsotra dia ho foana. 8 "Izaho, Tompo Yaveh, dia efa nianiana tamin'ny tenako —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro, halako ny fieboeboan'i Jakoba; halako ny fiarovana mafiny. Koa hanolotra ny tanàna mbamin'izay rehetra ao aminy Aho." 9 Ary raha misy folo lahy tavela ao an-trano iray, dia ho faty avokoa izy rehetra. 10 Raha misy havan-dralehilahy tonga mba haka ny fatin'izy ireo—ny iray izay handoro ny fatin'izy ireo aorian'ny hitondrany ireo faty mivoaka ny trano—raha miteny amin'ny olona ao an-trano izy hoe: "Misy olona miaraka aminao ve ao?" Raha mamaly izany olona izany hoe: "Tsia". Dia hiteny izy hoe: "Mangìna, fa aoka isika tsy hanonona ny anaran'i Yaveh." 11 Fa, indro, hanome baiko Yaveh, ka ho torotoro ny trano lehibe ary ho potipotika ny trano kely. 12 Moa ve ny soavaly mihazakazaka amin'ny harambato? Moa ve misy olona mampihosy omby ao? Nefa namadika ny fahamarinana ho poizina ianareo ary ny vokatry ny fahamarinana ho fangidian. 13 Ianareo izay mifaly amin'i Lodebara, izay manao hoe: "Moa ve tsy efa naka an'i Karnaima tamin'ny herinay ihany izahay?" 14 "Nefa indro, hanangana firenena hanohitra anareo Aho, ry taranak'Israely—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro. Hampahory anareo manomboka ao Lebo-hamata hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Araba izy ireo."
Milamina sy tsy voakasiky ny fitsaran'Andriamanitra ireo
DH: "Tsy misy tsara noho ireo fanjakana roanareo izy ireo."
"Kely nohon'ny faritaninareo ny azy ireo." na "Kely noho i Joda sy Samaria ireo firenena ireo."
"Fihetsika mahatonga an'Andriamanitra hitondra olona matanjaka mba hitsara anao"
"Fanjakan'ny fahavalo maherisetra"
Mipetraka eo amin'ny lambanana amin'ny fipetrahana tsotra ireo Israelita isaky ny hisakafo tamin'izany fotoana izany.
"Fandriana ivory ao amin'izy ireo mba ahafahan'izy ireo mitazana tsara" na "fandriana lafo vidy"
Nify sy tandrok'ireo biby lehibe
"Mitsilailay toy ny olona tsisy hatao"
Fanaka lava ampy hitsorana eo amboniny
Mety midika hoe: 1) namorona hira vaovao izy ireo ary nieritreritra ny hilalao izany amin'ny zava-maneno na 2) namorona zava-maneno vaovao izy ireo.
Fampiasa ao amin'ny tempoly ny lovia jobo, lehibe nohon'ny fampiasan'ny olona amin'ny sakafo izany
"Tsy tezitra izy ireo ary manao fihetsika toy ny tsy firaharahiana na dia misy iray maty aza eo"
Adikao tahakan'ny ao nataonao ao amin'ny 3:13
"Halako ny olon'Israely satria mahatoky ny fiarovana mafin'ireo izy ireo, mba hiaro azy ireo, fa tsy Amiko"
Fananganana rindrina manodidina ny tanàna mba hiarovana azy ireo amin'ny mpanafika
Tsy dia tena mazava tsara ny hevitr'io teny io. Ireo mety ho heviny dia: 1) "Ny havan-dralehilahy" dia iray amin'ireo izay "manandratra ny vatany" ary "handoro ... ireo faty," ka hilaza amin'ny olona izay misitrika ao anatin'ny trano aorian'ireo fianakavian'ireo folo lahy maty. 2) Ny "havan-dralehilahy" izay "tonga mba haka ny vatan'izy ireo" dia olona hafa amin'ny "iray izay handoro ... ireo faty," ka nifampiresaka tamin'izy ireo tao amin'ny trano hoe: "hoavy ny havan-dralehilahy mba hanandratra ny vatan'izy ireo miaraka amin'ny iray izay handoro ny fatin'izy ireo aorian'ny analana azy ireo ao an-trano- raha mbola tao an-trano izy ireo dia niteny momban'ny fandorona ny faty ny havany, "Misy ... ve?""
Mandoro vatana efa maty
Vatana efa maty
"Henoy" na "Tandremo tsara izay lazaiko aminareo."
Mitovy hevitra ireo andian-teny roa ireo. Azo oharina amin'ny trano rehetra ny fifanoherana eo amin'ny "trano lahibe" sy ny "trano kely". Ireo mety ho heviny dia: 1) Nandidy ireo hafa mba hanimba ny sasany amin'ireo trano i Yaveh na 2) Yaveh tenany mihitsy no Nanome baiko mba hanimbana ireo trano.
DH: "ho potipotehan'ny fahavalo ho singa ny trano lehibe"
Afaka mampiasa teny na andian-teny mitovy amin'izy ireo roa ireo ianareo .
DH: "Ho potipotehhina ho kely ny trano kely"
Nampiasa fanontaniana fampisainana i Amosa mba hitaomana ireo mafy mba hanaraka.
Sarotra ho an'ny soavaly ny hiazakazaka eo ambonin'ny vato misy hantsana ka tsy haratra. Nampiasa fanontaniana fampisainana mafy i Amosa ny amin'ny fihetsik'izy ireo.
Tsy hisy hampiasa angadin'omby eo amin'ny haram-bato na dia iray aza. Nampiasa fanontaniana fampisainana mafy i Amosa ny amin'ny fihetsik'izy ireo.
Fa mpanao lalàna ianareo nefa mandratra olona tsy manan-tsiny
"Ary nofaizinareo ireo izay manao ny marina"
Tsy misy na iray aza mafantatra ireo tanàna ireo.
DH: "henoy" na "tandremo tsara izay lazaiko aminareo."
Adikao tahakan'ny nataonareo ao amin'ny 3:13 ity.
DH: "avy any amin'ny sisiny avaratra amin'ny firenenareo hatrany amin'ny sisny atsimo"
Renirano kely mikoriana irery mandritra ny fahavaratra.
1 Izany no nasehon'i Yaveh tamiko. Indro, namorona valala be izy rehefa nanomboka niakatra ny vokatry ny lohataona, ary indro, taraiky ny vokatra tao aorian'ny vokatry ny mpanjaka. 2 Rehefa avy nihinana ny vokatry ny tany izy ireo, dia hoy aho: "Ry Tompo Yaveh, mba mamindrà re fo amiko, ahoana no haveloman'i Jakoba? Satria dia tena kely izy?" 3 ka nanatsahatra ny mahakasika izany Yaveh. "Tsy hiseho izany", hoy Izy. 4 Izao no nasehon'i Tompo Yaveh ahy: Indro, miantso amin'ny fitsaran'ny afo ny Tompo Yaveh. Izany no nanamaina ny tany malalaka, ny rano lalina ambanin'ny tany ary handevona ny tany ihany koa. 5 Kanefa hoy aho hoe: "Tompo Yaveh o, ajanony re; ahoana no haveloman'i Jakoba? Fa tena bitika izy." 6 Dia nanatsahatra ny mahakasika izany i Yaveh hoe: "Tsy hitranga ihany koa izany," hoy ny Tompo Yaveh. 7 Izao no nasehony ahy: Indro, nitsangana teo akaikin'ny rindrina ny Tompo, niaraka tamin'ny vato pilao teny an-tanany. 8 Yaveh nanao tamiko hoe: "Ry Amosa, Inona no itanao?" Dia hoy aho: "Vato pilao milahatra." Ary hoy ny Tompo hoe: "Indro, hametraka pilao eo amin'ny Israely vahoakako Aho. Tsy hamindra fo amin'izy ireo intsony Aho. 9 Horavana ireo fitoerana avon'i Isaka, hopotehina ireo fitoerana masin'ny Israely, ary hitsangana hanohitra amin'ny sabatra ny taranak'i Jeroboama Aho." 10 Ary Amazia, ilay mpisoron'i Betela, nandefa hafatra tany amin'ny Jeroboama, mpanjakan'Israely hoe: "Efa nitetika hanohitra anao eo anivon'ny taranak'Israely i Amosa. Tsy zakan'ny tany ireo teniny rehetra. 11 Fa izao no tenin'i Amosa: 'Ho faty amin'ny sabatra i Jeroboama, ary ho sesi-tany hiala amin'ny taniny tokoa ny Israely.'" 12 Amazia niteny tamin'i Amosa hoe: "Ry Mpahita, miverena any amin'ny tanin'i Joda, ary mihinana mofo sy maminania any. 13 Fa aza manao faminaniana eto Betela intsony, satria fitoerana masin'ny mpanjaka sy tranon'ny mpanjaka ity." 14 Dia hoy Amosa tamin'i Amazia hoe: "Tsy mpaminany aho na zanaky ny mpaminany. Mpiandry ondry sy mpikarakara hazo amontana ary aviavy aho. 15 Fa naka ahy avy teny ampiandrasan'ondry i Yaveh ary niteny tamiko hoe: "Mandehana, ka maminania amin'ny Israely vahoakako." 16 Ankehitriny mihainoa ny tenin'Yaveh. Hoy ianao hoe: "Aza maminany hanohitra an'i Israely, ary aza miteny manohitra ny taranak'Isaka." 17 Noho izany dia izao no lazain'Yaveh: "Ho lasa mpivaro-tena ao an-tanàna ny vadinao; ireo zanakalahinareo sy ireo zanakavavinareo dia ho lavo amin'ny alalan'ny sabatra; horefesina ny taninao ary hozaraina; ho faty ao amin'ny tany maloto ianao, ary halefa sesi-tany hiala ao amin'ny taniny tokoa ny Israely.""
Manome ny mpamaky izay zavatra tsy ampoizina ho lazainy ny mpanoratra. Tokony hanana fomba fiteny hanaovana izany ianao.
"Tsy tokony ho velona i Jakoba!"
Manome ny mpamaky izay zavatra tsy ampoizina ho lazainy ny mpanoratra. Tokony hanana fomba fiteny hanaovana izany ianao.
DH: "Tsy tokony ho velona marina i Jakoba!" na "anontanio izay ilainy amin'ny ataony i Jakoba mba havelomany!"
Tady manify izay mavesatra ny vodiny iray ary nampiasaina amin'ny fananganana mba ahazoana antoka tsara fa mahitsy tsara ny ambony sy ny ambanin'ny manda.
mponina ao amin'ny avaratry ny fanjakan'Israely
Ireo mety ho heviny dia: 1) Mpisorona irery tao Betela i Amazia na 2) Lohan'ny mpisorona tao Betela i Amazia.
DH: "Nanitsy teto amin' ny tanin'Israely i Amosa, ary nitetika ny hanao zavatra ratsy aminareo"
"Nino azy ny vahoaka rehefa nanao zavatra animbana ny firenena izy"
"Jereo raha afaka manery ny mponina ao ianao mba handoa aminao ny faminaniana"
Eto dia azo antoka tokoa ny dikany fa "ny iray izay mikarakara ny ondry" dia ho antsoina hoe "mpiandry ondry" ao amin'ny 1:1.
Natao ho an'ny tanim-bahiny ity fomba fitenenana ity, rehefa tsy ekena ao amin'Andriamanitra ny olona.
1 Izao no nasehon'ny Tompo Yaveh tamiko. Indro, voankazon'ny fahavaratra iray harona! 2 Hoy Izy hoe: "Inona no hitanao, ry Amosa?" Dia hoy aho hoe: "Ny haron'ny voankazo fahavaratra." Dia hoy i Yaveh tamiko hoe: "Efa tonga amin'ny Israely vahoakako ny farany; tsy hamindra fo amin'izy ireo intsony aho. 3 Ho tonga fidradradradrana ny hiran'ny tempoly. Tamin'izany andro izany—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. Ho maro ireo faty, dia hatsipin'izy ireo mangingina eny amin'ny rehetra eny ireny!" 4 Henoy izao, ianareo izay manitsaka ny ory sy manilika ny mahantran'ny tany. 5 Hiteny izy ireo hoe: "Rahoviana no ho tapitra ny volana vaovao, mba hafahantsika mivarotra vary indray? Rahoviana no ho tapitra ny andro Sabata, mba hahafahantsika mivarotra vary? Hataontsika kely ny famarana ary hampiakarina ny vidim-bary, ary hangalatra amin'ny mizàna diso isika. 6 Izany dia mba hahafahantsika mivarotra vary ratsy, vidio amin'ny volafotsy ny ory, ary ny mahantra amin'ny kapa." 7 Nianiana tamin'ny fireharehan'i Jakoba i Yaveh hoe: "Tena tsy ho adinoko mandrakizay mihitsy ny nataon'izy ireo." 8 Tsy hihorohoro noho izany ve ny tany, ary ny olona rehetra izay monina ho ao amin'izany dia misaona? Ny ankabetsahan'izany dia hitsangana toy ny Onin'i Neily, ary hisamboaravoara sy hilentika indray izany, tahaka ny Onin'ny Egypta. 9 "Dia ho avy izany amin'io andro io —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh— fa hampiposaka ny masoandro amin'ny mitatao vovonana Aho, ary hanamaizina ny tany amin'ny atoandro. 10 Hamadika ny firavoravoanareo ho fisaonana Aho ary ireo hiranareo rehetra ho fitomaniana. Hampanaoviko ny akanjo fisaonana avokoa ianareo rehetra ary ho sola ny lohan'ny tsirairay. Hanao izany ho tahaka ny fisaonana ho an'ny zanaka lahitokana izany, ary andro mangidy any amin'ny faran'izany. 11 Indro, tonga ny andro —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh— Rehefa handefa mosary eny amin'ny tany Aho, tsy mosary mofo, na koa hetaheta rano, fa ho amin'ny fandrenesana ireo tenin'i Yaveh. 12 Hivembena erakin'ny ranomasina izy ireo; dia hiazakazaka avy any avaratra ka hatrany atsinanana mba hitady ny tenin'i Yaveh, saingy tsy hahita izany izy ireo. 13 Amin'izany andro izany ireo virijiny tsara tarehy sy ireo tovolahy dia ho ketraky ny hetaheta. 14 Ireo izay nianiana tamin'ny fahotan'i Samaria [1] dia ho lavo izy ireo ary tsy hitsangana intsony."
DH: "Henoy" na "Tandremo tsara izay lazaiko aminareo."
Adikao tahakan'ny nataonao ao amin'ny 3:13 ireto.
"Amin'ny toerana maro"
Milaza ireo izay "mivarotra" sy "tsena" i Amosa (8:5)
Jereo izay nandikanareo ity ao amin'ny 2:7.
"Manontany foana izy ireo hoe rahoiana vao ho tapitra ny volana mba ahafahana mivarotra voa indray, ary rahoviana vao ho tapitra ny Sabata mba ahafahana mivarotra vary."
Maniry ny hampiasa mizàna diso ny mpivarotra izay anehoany ny fanomezana betsaka amin'ny ahavon'ny voam-bary noho ny hatsarany ary tsara kokoa nohon'ny lanjany ny fandoavam-bola izany.
DH: "ary vidio amin'ny kapa ny ory"
"Nianiana tamin'ny tenany Yaveh, nilaza" na "Yaveh, izay nirehareha tamin'i Jakoba, dia nianiana"
Anarana hafa ho an'ny reniranon'i Neily
Adikao tahakan'ny nataonao ao amin'ny 3:13 ity.
Adikao tahakan'ny nataonao ao amin'ny 3:13 ity.
Handeha tongotra miadana ny sasany ary mihareraka, sahalan'ny olona refona, ary ireo sasany teo sy ny ireo nandeha haingana.
Ireo mety ho heviny dia: 1) jereo UDB, na 2) "avy amin'ny ranomasina mankany amin'ny ranomasina ary avy avaratra mankany atsinana. Hiazakazaka manerana izao tontolo izao izy ireo."
Ho an'ny olona mitsangana ao Betela, mety ho boribory izany: Ranomasina maty (atsimo) mankany amin'ny Mediteraniana (andrefana) amin'ny ranomasina avaratra.
Manary ny herin'izy rehetra
Azo antoka eto ny fanamarihana amin'ny lalàna izay tokony andehanan'i Berisheba amin'ny rariny mba hinoana ny sampin'izy ireo.
1 Nahita ny Tompo nijoro teo akaikin'ny Alitara aho, ary hoy Izy hoe: "Kapohy ny tendron'ireo andry mba hihozona ireo fototra. Torotoroy ny eny amin'ny lohany rehetra eny, ary hamono amin'ny sabatra ny sisa tavela amin'izy ireo Aho. Tsy misy iray handositra amin'izy ireo, tsy misy ho tafatsoaka amin'izy ireo. 2 Na handavaka any amin'ny fiainan-tsi-hita aza izy ireo, dia ny tanako no haka azy ireo any. Na dia hiakatra eny amin'ny lanitra aza izy ireo, dia ho entiko midina. 3 Na dia miafina any an-tampon'ny Karmela aza izy ireo, dia hikaroka ary haka azy ireo any Aho. Na dia miafina any ambanin'ny ranomasina aza izy ireo, dia haniraka ny bibilava any Aho, ary hanaikitra azy ireo izany. 4 Na dia mandeha ao amin'ny fahababoana aza izy ireo, entin'ny fahavalony eo anoloan'izy ireo, dia hanome baiko ny sabatra Aho, ary hamono azy ireo izany. Hijery azy ireo foana ny masoko mba hanimba fa tsy hanao soa azy ireo." 5 Yaveh Tompon'ny maro dia nikasika ny tany ary lasa karakaina izany; ny rehetra izay miaina ao amin'izany dia misaona; hiakatra toy ny Ony izany rehetra izany, ary hilentika indray toy ny onin'i Egypta, 6 Izy no nanamboatra ireo tohany any an-danitra, ary efa nametraka ny andohalambony manerana ny tany. Niantso ny ranon'ny ranomasina Izy, ary nandraraka izany teo amin'ny velaran-tanin'izy ireo, Yaveh no anarany. 7 Tsy toy ny vahoakan'i Etiopia ve ianareo ho ahy, ry vahoakan'Israely? —izany no fanambaran'i Yaveh. Tsy nitondra an'Israely hivoaka an'i Egypta, ireo filistina avy any Kreta, ary ireo Syriana avy tany Kira ve Aho? 8 Indro, eo amin'ny fanjakana mpanota ny mason'ny Tompo Yaveh, ary hamongotra azy tsy ho eto ambonin'ny tany aho, kanefa tsy hamotika tanteraka ny tranon'i Jakoba aho —izany no fanambaran'i Yaveh. 9 Indro, hanome baiko, ary hanozongozona ny zanak'Israely eo amin'ny firenena rehetra Aho, tahaka ny olona manivana vary amin'ny sivana, mba tsy hilatsahan'ny vato kely amin'ny tany. 10 Ny mpanota rehetra avy amin'ny vahoakako dia ho faty amin'ny sabatra, ireo izay milaza hoe: 'Tsy hahatratra na hanatona antsika ny loza.' 11 Amin'izay andro izay dia hanangana ny trano-lain'i Davida izay nianjera Aho, ary hanampina ireo bangany. hatsangako ireo faharavany, ary hamboariko ho toy ny tamin'ny andro fahiny izany. 12 Mba hananan'izy ireo ny sisa tavela an'i Edoma, ary ny firenena rehetra izay nantsoina tamin'ny anarako —izany no fanambaran'i Yaveh—nanao izany Izy. 13 Indro, ho avy ilay andro—izany no fanambaran'i Yaveh— rehefa mahatratra ny fijinjana ny mpiasa-tany, ary ireo mpioty voaloboka dia hahatratra azy izay namboly ny voany. Ireo tendrombohitra dia hampiboiboika divay mamy, ary ireo havoana rehetra dia hikoriana miaraka amin'izany. 14 Ho entiko miverina avy any amin'ny fahababoana ny vahoakako Israely. Hanangana ireo tanàna rava izy ireo ary hipetraka amin'izany, hamboly tanim-boaloboka izy ireo ary hisotro ny divain'izany, ary hanao zaridaina izy ireo ary hihinana ny vokatr'izany. 15 Hamboly izany eo amin'ny tanin'izy ireo Aho, ary tsy hihongotra eo amin'ny tany izay nomeko azy ireo intsony mihitsy izy ireo," hoy i Yaveh Andriamanitrareo.
Ireo mety ho heviny dia: 1) Potipoteo ho kely ny tempoly na 2) vakio ny tendron'ny andry.
DH: "Tsy maninona na manandrana ny handeha izy ireo, hahatratra azy eny Aho."
Bibin-dranomasina tsy manana fiarovana, fa tsy ilay bibilava tao amin'ny sahan'i Edena sady tsy bibilava hafa.
Raha amin'ny fitenenana mahazatra dia te hanao zavatra tsara hafa ireo mpilaza nefa afaka nampiasa ihany koa rehefa te hanimba ireo, te hampiasa izany ianao eto.
Teny ahazoan'ny mpihaino antoka ny fahazoana ny hoe: "hanimba"
Azo antoka eto ireo an-tana-tohatra izay naminavinan'ny olona taloha ny amin'ny fipetrahan'Andriamanitra any an-danitra. Kanefa, raha amin'ny dikan-teny taty aoriana dia teny novakiana amin'ny karazana teny Hebreo izay midika hoe: "fonenana" na "trano." Eto nampiasaina tahakan'ny sarinteny amin'ny toeran'Andriamanitra ny hoe "tohany".
Misy mandika ny teny hoe: "niharetany ny nametrahana azy amin'ny tany," nefa, nijanona ho toy izay ny endriky ny tany.
Adikao tahakan'ny nataonao ao amin'ny 2:11.
Maneho ny sarin'ny voam-bary miparitaka anaty sivana ka miala ireo vato. Misy manao ny dikan-teny hoe: "tsy ny vatokely no hiparitaka" izay midika fa tsy hiparitaka amin'ny fitaovana tsy ilaina ny voam-bary tsara fa amin'ny sivana.
Velarana misy lavaka kely be dia be izay mamela ireo zavatra kely handeha ary miazona ireo zavatra lehibe tsy hiparitaka
Fanimbana ny fanjakan'i Israely, tahakan'ny tranolay izay nisy hazo nianjera eo amin'ny andaniny roa, rindrina vaky eny rehetra eny, ary toy ny trano mirodana ambany.
ampahana rindrina izay efa nianjera
Fahasimbana rehefa simba ny trano lehibe
Ireo izay tsy voababon'Israely tao amin'ny faritra na amin'ny vahoakan'i Edoma.
Manome ny mpamaky izay zavatra tsy ampoizina ho lazainy ny mpanoratra. Tokony hanana fomba fiteny hanaovana izany ianao.
Amin'ny ankapobeny dia manasongadina zavatra mitovy izy roa ireto izay midika fa hamokatra be ny tany.
DH: "tsy hisy na dia iray aza ahaongotra azy ireo amin'ny tany intsony", "hipetraka eo amin'ny tany mandrakizay tahakan'ny voly izay efa natao tsy hiongotra izy ireo"
Misintona ny voly ary manala azy hivoaka ivelan'ny tany
1 Ny fahitan'i Obadia. Izao no lazain'ny Tompo Yaveh mahakasika an'i Edoma: Efa nandre tatitra avy tamin'i Yaveh sy ny masoivoho izay nalefa ho eo amin'ireo firenena izahay, nanao hoe: "Mitsangàna! Aoka isika hitsangana mba hiady hanohitra azy!" 2 Indro, hataoko kely eo amin'ireo firenena ianao, ho atao tsinontsinona tanteraka ianao. 3 Namitaka anao ny fireharehan'ny fonao, ianao izay mipetraka eny an-tsefatsefaky ny vato, amin'ny tranonao avo; izay manao anakam-po hoe: "Iza no hampidina ahy ho any amin'ny tany?" 4 Na dia manidina avo tahaka ny voromahery sy naorina teo amin'ireo kintana aza ny akaninao, dia hampidina anao avy eny Aho, hoy Yaveh. 5 Raha tonga ao aminao ny mpangalatra, raha avy alina ny jiolahy (ahoana no faharavanao!), moa ve tsy izay sahaza azy ihany no angalariny? Raha tonga tao aminao ny mpioty voaloboka, moa ve tsy avelany eo ireo niraraka? 6 Endrey ny fitadiavana an'i Esao, sy ny fitadiavana ireo harena miafiny! 7 Ireo lehilahy rehetra nifanaraka taminao dia handefa anao amin'ny lalanao mankany amin'ny sisin-tany. Ireo lehilahy nihavana taminao dia efa namitaka anao, ary nandresy anao. Ireo izay mihinana ny mofonao dia efa nametraka fandrika teo ambaninao. Tsy misy fahazavan-tsaina ao aminy. 8 "Moa ve tsy amin'izany andro izany aho" hoy i Yaveh, "no hamotika ireo lehilahy hendry avy any Edoma sy mazava saina ao an-tendrombohitr'i Esao? 9 Ho raiki-tahotra ireo lehilahy maherinao, ry Temana, ka ho ringana amin'ny alalan'ny famonoana avy any an-tendrombohitr'i Esao ny lehilahy rehetra. 10 Nohon'ny herisetra natao tamin'i Jakoba rahalahinao, dia ho rakotra henatra ianao, ary ho ringana mandrakizay. 11 Tamin'ny andro namitsahanao, tamin'ny andro nitondran'ireo vahiny ny fananany, sy ny nidiran'ireo hafa firenena ny vavahadiny, ary ny nanaovana loka an'i Jerosalema, dia tahaka ny iray tamin'izy ireo ianao. 12 Fa aza mifaly amin'ny andron'ny rahalahinao, amin'ny andron'ny fahavoazany, ary aza mifaly eo amin'ireo vahoakan'i Joda amin'ny andro handringanana azy; aza mirehareha amin'ny andro maha-ory azy ireo. 13 Aza miditra ny vavahadin'ny vahoakako amin'ny androm-pahavoazan'izy ireo, aza mifaly amin'ny fahoriany amin'ny andro hahitany loza, aza mandroba ny fananan'izy ireo amin'ny andro maharava azy. 14 Aza mitsangana eo an-tsampanan-dalana, mba handringana ireo mpandositra ary aza manome ny sisa tsy matiny amin'ny andro maha-ory. 15 Fa efa akaikin'ny firenena rehetra ny andron'i Yaveh. Toy ny nataonao, no mbola hatao aminao; hitsingerina ao an-dohanao ny zava-bitanao. 16 Fa tahaka ny efa nisotroanao tao an-tendrombohitro masina, no hisotroan'ireo firenen-drehetra tsy an-kiato. Hisotro sy hitelina izy ireo, ary ho toy ny tsy àry izy ireo. 17 Fa any an-tendrombohitra Ziona no hisy ireo izay tafatsoaka ary ho masina izany; ary ny taranak'i Jakoba hahazo ny fananany manokana. 18 Ny taranak'i Jakoba dia ho afo, ary ny taranak'i Josefa dia ho lelan'afo, ary ny taranak'i Esao ho mololo, ary handoro azy izy ireo izany, ka handevona azy ireo. Tsy hisy ho velona ny taranak'i Esao, satria izany no tenin'i Yaveh." 19 Ireo izay avy amin'i Negeva dia hanana ny tendrombohitr'i Esao ary ireo izay avy any Sefela hanana ny tanin'ireo Filistina. Hanana ny tanin'i Efraima sy ny tanin'i Semaria izy ireo; ary benjamina hanana an'i Gileada. 20 Ireo sesitanin'ny zanak'Israely maro dia hanana ny tany Kanana ka hatrany Zarefata. Ireo sesitanin'i Jerosalema, izay any Sefarada dia hanana ny tanànan'i Negeva. 21 Ireo mpamonjy dia hiakatra any an-tendrombohitra Ziona ary hanapaka manerana ny tany havoan'i Esao, ary ny fanjakana dia an'i Yaveh. [1]
Ity no anaran'Andriamanitra izay nambara tao amin'ny Testamenta Taloha.
DH: "Andriamanitra dia nandefa masoivoho"
"mitsangàna" ity andian-teny ity dia entina hilazana ny olona mba ho vonona.
DH: "jereo" na "henoy" na "tandremo tsara izay ho lazaiko aminao"
"ireo olon'ny firenena hafa dia hankahala anao"
Mitohy ny fahitan'i Obadia momba an'i Edoma.
Ampiasain'Iaveh ny ampahany amin'ny vatan'ny olona iray izay mifandray amin'ny fihetseham-po hilazana ny fireharehan'ny vahoakan'i Edoma.
"any amin'ny triatra amin'ny vato"
"ao an-tranonao izay nahorina amin'ny toerana avo"
Izany fanontaniana izany dia mampiseho hoe toy ny ahoana ny fireharehan'ny Edomita sy ny fahatsapany ho voaro. DH: "Voaro tamin'ny mpanafika rehetra aho."
Ireo fehezanteny roa ireo dia samy milaza fa Edoma dia namboarina mihoatra lavitra noho ny azo atao, mba hilazana fa nahorina tamin'ny toerana avo dia avo izany.
Ny fireharehana dia mifandray amin'ny hahavony ary ny fanetren-tena dia mifandray amin'ny maha-ambany. Yaveh dia nilaza fa hampidina an'i Edoma mba hilazana fa haetriny izy. DH: "Hanetry anao Aho"
Manohy ny fampitàna amin'i Obadia ny hafany ho an'i Edoma i Yaveh.
"na raha tonga ny jiolahy mandritra ny alina"
olona mangalatra zavatra amin'ny alalan'ny herisetra amin'ny olona hafa
Yaveh dia nanampy io andian-teny io eny afovoan'ny fehezanteny iray hafa mba hanehoana fa ny famaizana an'i Edoma dia manafintohina. DH: "ringana tanteraka ianao."
DH: "Izy ireo dia hangalatra izay sahaza azy ireo ihany."
DH: "Nitady an'i Esao ireo fahavalo; nitady ireo hareny miafina izy ireo."
mitady zavatra hahafahana mangalatra azy ireo
Manohy ny fampitàna amin'i Obadia ny hafany ho an'i Edoma i Yaveh.
Ny teny hoe "taminao" dia manondro ny firenen'i Edoma.
"handefa anao hiala amin'ny taniny." Ireo olon'i Edoma dia hanandrana handositra any amin'ny tanin'ireo mpiara-dia aminy, fa ireo mpiara-dia aminy dia tsy namela azy ireo hitoetra ao amin'ny taniny.
"Edoma dia tsy mahatakatra."
"amin'izany andro izany, hoy i Yaveh: "dia ho ravako tokoa ... ao an-tendrombohitr'i Esao
"Ho raiki-tahotra ny mpiadinao mahery"
anaran'ny faritra ao amin'ny tanin'i Edoma.
DH: "ka tsy hisy olona firy intsony ao an-tendrombohitr'i Esao satria novonoin'ny fahavalo izy ireo."
Ny ankamaroan'ny tanin'i Esao dia tendrombohitra, ka dia fomba iray izany ilazana ny tanin'i Esao.
Manohy ny fampitàna amin'i Obadia ny hafany ho an'i Edoma i Yaveh.
DH: "ny havanao izay taranak'i Jakoba."
"ho menatra tanteraka ianao"
"tsy hisy intsony."
"nijery ary tsy nanao na inona na inona ho fanampiana"
olona avy any amin'ny firenen-kafa
Ny teny hoe: "ny" dia manondro an'i "Jakoba", izay fomba iray hafa hilazana ny Zanak'Israely.
Izany andian-teny izany dia midika hoe: "nanao filokana izy ireo hanapahan-kevitra hoe iza no hahazo ny zavatra sarobidy azony tany Jerosalema."
"dia toy ny hoe iray amin'ireo vahiny ireo ianao"
Manohy ny fampitàna amin'i Obadia ny hafany ho an'i Edoma i Yaveh.
"aza mifaly amin'ny" na "aza finaritra ny amin'ny"
Fomba iray hilazana ny zanak’Israely izy io satria mpirahalahy i Jakoba sy i Esao.
DH: "andro famaizana" na "fotoana famaizana."
"loza" na "korontana"
"amin'ny andro handringanan'ny fahavalony azy"
"noho ny fotoana nijaliany"
Ireo dia dikan-teny samy hafa ny teny mitovy iray. Tokony hampiasa teny iray ny mpandika teny entina handikana ireo teny telo rehetra ireo.
"noho ny zava-dratsy nanjo azy ireo"
"aza maka ny harenany" na "aza mangalatra ny harenany"
toerana izay hifanenan'ny lalana roa
"mba hamono ny zanak'Israely izay mitady handositra" na "mba hisambotra ireo izay mitady handositra"
"aza misambotra ireo izay mbola velona ary manome azy ireo amin'ny fahavalony"
Manohy ny fampitàna amin'i Obadia ny hafany ho an'i Edoma i Yaveh
"Tsy ho ela dia ho avy ny fotoana hanehoan'Yaveh amin'ny firenena rehetra fa Izy dia Tompo."
"Hataoko aminao izay zavatra nataonao tamin'ny hafa."
DH: "ianao dia hizaka ny vokatry ny zavatra nataonao."
Ny teny hoe "anao" ho an'ny olon'i Edoma.
Ireo mpaminany dia mamaritra ny olona izay nosazin'Andriamanitra toy ny hoe misotro ny famaizan'Yaveh DH: "tahaka ny nanasaziako anao."
Fomba iray ilazana an'i Jerosalema io
DH: "Tsy hitsahatra hanasazy ny firenena rehetra aho." Yaveh dia nanasazy an'i Jerosalema, kanefa Izy dia nijanona mialohan'ny nandringanany ny vahoaka rehetra. Saingy, hanasazy ireo firenena sisa Izy mandrapaha-foana azy.
Manohy ny fampitàna amin'i Obadia ny hafany i Yaveh.
"tafatsoaka ny famaizan'Yaveh." Ireo dia olona mbola velona taorian'ny fanasazian'Yaveh.
Ny teny hoe "izany" dia manondro ny "tendrombohitra Ziona."
Noharin'Yaveh amin'ny afo ny taranak'i Jakoba sy Josefa satria izy ireo dia hamotika an'i Esao tahaka ny afo izay mandrehitra haingana ny mololo.
"mololo" na "akofa". Ampahany maina sisa tavela rehefa masaka avy jijaina ny voa.
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ny taranak'i Jakoba sy ny taranak'i Josefa.
"Tsy hisy na iray amin'ny taranak'i Esao ho velona."
"Ny fokon'i Benjamina" na "vahoakan'i Benjamina"
"Ireo maro amin'ny zanak'Israely izay nalefa sesintany"
andian'olona be dia be mihitsy
io no anaran'ny tanàna Phoenician eo amoron'ny Ranomasina Mediterane eo anelanelan'i Tyro sy Sidona
io no anaran'ny toerana izay tsy fantatra ny toerana misy azy.
io dia manondro ireo mpitarika ara-tafika israelita isan-karazany izay hampiasain'Andriamanitra handresy ny firenen'i Edoma.
1 Ary tonga teo amin'i Jona zanaka lahin'i Amitahy ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Mitsangàna ary mandehana any Ninive, izay tanàna tena lehibe, ary miresàha ny momba izany, satria efa niakatra teo anatrehako ny faharatsian'izy ireo." 3 Fa nitsangana i Jona mba hitsoaka ny fanatrehan'i Yaveh ary nandeha tany Tarsisy. Nidina tany Jopa izy ary nahita sambo hiainga ho any Tarsisy. Koa dia naloany ny saran-dalana ary niakatra tao amin'ilay sambo niaraka tamin'izy ireo ho any Tarsisy izy, lavitry ny fanatrehan'Andriamanitra. 4 Fa nandefasan'i Yaveh rivo-mahery teny amin'ny ranomasina ary dia lasa tafio-drivotra teny amin'ny ranomasina izany. Vetivety teo dia hita fa ho potika ilay sambo. 5 Ary lasa natahotra mafy ireo tantsambo ka niantso mafy ny andriamaniny manokana. Natsipin'izy ireo tany an-dranomasina ny entana tao amin'ilay sambo mba hanamaivana izany. Fa Jona kosa nidina lalina tao amin'ilay sambo, ary nitsilany renoky ny torimaso tao. 6 Ka nanatona azy ny kapitenin-tsambo ary niteny taminy hoe: "Nahoana ianao no matory? Mitsangàna! Antsoy ny andriamanitrao! Mety mba hahita antsika ny andriamanitrao ka tsy ho faty isika." 7 Nifampiresaka izy rehetra nanao hoe: "Manatona, andao isika hanao ankitsapaka, mba hafahantsika mahafantatra hoe iza no anton'izao loza mitranga amintsika izao." Ka nataon'izy ireo ny ankitsapaka, ary nitontona teo amin'i Jona izany. 8 Dia hoy izy ireo tamin'i Jona hoe: "Mba teneno anay re hoe iza no anton'izao loza mitranga amintsika izao. Inona no asanao, ary avy aiza ianao? Inona no firenenao, ary avy amin'ny vahoaka iza ianao? 9 Hoy Jona tamin'izy ireo hoe: "Hebreo aho; ary matahotra an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra, izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina." 10 Ary vao mainka niha-natahotra ireo lehilahy ka niteny tamin'i Jona hoe: "Fa inona ity nataonao?" Fa fantatr'ireo lehilahy fa nitsoaka ny fanatrehan'i Yaveh izy, satria nolazainy tamin'izy ireo. 11 Ary hoy izy ireo tamin'i Jona hoe: "Inona no tokony ho ataonay aminao mba hampilamina ny ranomasina ho anay?" Satria niha-nanonja mafy dia mafy ny ranomasina. 12 Hoy i Jona tamin'izy ireo hoe: "Raiso aho ary atsipazo any anaty ranomasina. Ary hilamina ho anareo ny ranomasina, satria fantatro fa noho izaho no mahatonga izao tafio-drivotra izao hitranga aminareo." 13 Na dia izany aza, dia namohy mafy ireo lehilahy mba hampiverina azy ireo eny an-tanety, saingy tsy afaka nanao izany izy ireo satria niha-nahery ny ranomasina nanohitra azy ireo. 14 Noho izany dia niantso mafy an'i Yaveh izy ireo ary nanao hoe: "Mitalaho Aminao izahay, ry Yaveh, mitalaho Aminao izahay, aza avela ho faty nohon'ny ain'ity lehilahy ity izahay, ary aza melohina aminay ny fahafatesany, satria Ianao, Yaveh, dia efa nanao araka izay sitraky ny fonao." 15 Koa dia noraisin'izy ireo i Jona ary natsipin'izy ireo tany anaty ranomasina, ary nijanona tsy nisafoaka ny ranomasina. 16 Avy eo dia natahotra mafy an'i Yaveh ireo lehilahy. Nanolotra sorona ho an'i Yaveh izy ireo ary nanao voady. 17 Ary efa nanomana trondro lehibe hitelina an'i Jona i Yaveh, ka nijanona tao anatin'ny vavonin'ilay trondro telo andro sy telo alina i Jona.
Izany dia fomba fiteny izay midika hoe miteny Andriamanitra. "Miteny ny hafany Andriamanitra"
Eto ny hoe "teny" dia manambara ny hafatr'Andriamanitra. DH: "ny hafatr'Andriamanitra"
Izany no Anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoakany tao amin'ny Testamenta Taloha.
Izany no anaran-drain'i Jona.
"Mandehana any amin'ny tanàn-dehibe any Ninive"
Fomba filazana iraisana momba ny dia ho any an-tany lavitra izany.
"tairo ny vahoaka" (UDB). Milaza ny olon'ny tanàna Andriamanitra.
"fantatro fa efa nanota hatrany izy ireo."
"nitsoaka an'i Yaveh". "nitsangana" dia ilazana fa nandao ny nisy azy i Jona.
Niezaka ny hitsoaka an'i Yaveh i Jona.
"ary lasa any Tarsisy". Tarsisy dia lalàna mifanipaka amin'i Ninive. Afaka azavaina izany. DH: "ary lasa tany amin'ny lalana mifanipaka, ho any Tarsisy."
"Nandeha tany Jopa i Jona"
Ny "sambo" eto dia sambo tena lehibe izay afaka handehanana ambonin'ny ranomasina sy hitondrana mpandeha maro na entana mavesatra."
"Ka nalohan'i Jona tany ny diany."
"ary nakao amin'ilay sambo"
Ny teny hoe "izy ireo" dia ilazana ireo hafa izay nandeha tamin'ny sambo.
Nanantena i Jona hoe tsy any Tarsisy Andriamanitra.
Afaka hazavaina izany amin'ireo izay mieritreritra fa ho simba ny sambo. DH: "Nieritreritra ireo lehilahy"
DH: "vaky nisaraka"
Ireo lehilahy miasa amin'ny sambo
Eto ny hoe "andriamanitra" dia ilazana ireo andriamani-tsy izy sy sampy izay notompoin'ny olona.
"Narian'ireo lehilahy ireo entana mavesatra tao amin'ny sambo." natao izany mba hiarovana ny sambo tsy hilentika.
Ny fanaovana ny sambo ho maivamaivana dia mampitsingevana azy kokoa. DH: "mba hanampy ny sambo hitsingevana kokoa."
nanao izany i Jona talohan'ny nanombohan'ny tafio-drivotra.
"tao anaty sambo"
"nitsilany tao natory renoky ny torimaso" na "nitsilany tao ary tanaty torimaso lalina." Noho izany antony izany, tsy namoha azy ny tafio-drivotra.
"Nt lehilahy mpiandraikitra ny sambo nanantona an'i Jona ka niteny hoe"
"Nahoana no matory ianao?" Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany izy mba hibedy an'i Jona. DH: "Aza matory intsony!"
Ilazana ny fanaovana asa sasany izany. Ho an'i Jona, niteny taminy ny Kapiteny mba hamoha azy sy hampivavaka azy amin'ny andriamaniny mba ho azo antoka ny dia.
"Mivavaha amin'ny andriamanitrao!" "Miantsoa" ilazana ny fifantohan'ny olona.
Afaka hazavaina izany fampahafantarana feno momba izany andriamanitr'i Jona mety hanavotra azy ireo izany. DH: "Mety haheno antsika ny andriamanitrao ary hamonjy antsika ka tsy ho faty isika."
"Nifampiteny daholo ireo tantsambo"
"Tokony hanipy antsapaka isika mba hahafantarana hoe iza no anton'izao fikorontanana izao." Nino ireo lehilahy fa ireo andriamanitra dia handray an-tanana ny fiantefan'ny antsapaka hilaza amin'izy ireoizay tiany ho fantatra. Endrika sikidy izany.
Ilazana ny tafio-drivotra mahatsiravina izany.
"hitan'ny antsapaka fa i Jona no olo-meloka"
"Dia niteny tamin'i Jona ireo lehilahy izay niasa tao an-tsambo"
"iza no nahatonga izao zava-dratsy izao hitranga amintsika?"
Ny teny hoe "matahotra" dia ilazana fa nanaja fatratra an'Andriamanitra i Jona.
ireo lehilahy tamin'ny sambo dia nampiasa io fanontaniana fampiasaianna io mba haneho ny fahatafintohinan'izy ireo tamin'i Jona. DH: "Nanao zava-mahatsiravina ianao."
"Nitsoaka an'i Yaveh i Jona." Nitady ny handositra an'i Yaveh i Jona toy ny hoe any amin'ny tanin'Israely ihany no misy an'i Yaveh.
Izay nolazainy tamin'izy ireo dia voalaza mazava tsara. DH: "satria niteny tamin'izy ireo izy hoe 'niezaka ny hanalavitra an'i Yaveh aho'"
"ireo lehilahy tao an-tsamba dia niteny tamin'i Jona" na "ireo tantsamba dia niteny tamin'i Jona"
"atao aminao mba hampitony ny ranomasina." (UDB)
Izany no antony nanontanian'ireo lehilahy an'i Jona izay tokony hataon'izy ireo. Ny antony dia mety ho hita ao amin'ny fiandohan'ny andininy 11 ao amin'ny UDB ihany koa.
"satria fantatro fa hadisoako izao loza lehibe izao"
Tsy te hanary an'i Jona any an-dranomasina ireo lehilahy, ka namohy mafy izy ireo toy ny nandavaka ny rano mba hiverenana an-tany.
"niha-ratsy ny tafio-drivotra, ary niha-lehibe ny onjan-dranomasina."
Vokatry ny faharatsian'ny tafio-drivotra izany izay niteraka ny valiny manaraka. DH: "Satria niha-nahery ny ranomasina"
"nivavaka tamin'i Yaveh ireo lehilahy"
"Tompoko, aza avela ho faty izahay satria izahay no anton'ny namonoana ity lehilahy ity" na "efa hahafaty ity lehilahy ity izahay. Fa aza vonoina re izahay."
"ary aza omena tsiny noho ny fahafatesany re izahay" na "ary aza isaina ho meloka re izahay raha ho faty ity lehilahy ity." Miresaka ny "heloka" ny mpanoratra toy ny hoe zavatra izany azo apetraka eny an-tampon'ny olona. Ilazana fa io olona io no tompon'andraikitra amin'ny asan'izy ireo.
"nijanona tsy niehetsika mahery intsony ny ranomasina" na "nitony ny ranomasina" (UDB)
"talanjona be tamin'ny herin'i Yaveh" (UDB)
Ny dikan-teny sasany dia manisa ity andininy ity ho andininy voalohany amin'ny toko faha2. Mety te hanisa ny andininy mifanaraka amin'ny tena dikan-teny izay ampiasain'ny vondron'ny fiteninao ianao.
Ampiasaina io teny io amin'ny Anglisy mba hanolorana fizaran-tantara vaovao.
"telo andro sy alina"
1 Avy eo dia nivavaka tamin'i Yaveh Andriamaniny avy tao an-kibon'ilay hazandrano i Jona. 2 Hoy izy hoe: "Niantso an'i Yaveh nanoloana ny fahoriako aho ka namaly ahy Izy; avy tany an-kibon'ny Fiainan-tsy hita no niantsoako vonjy! Dia renao ny feoko. 3 Efa natsipinao tany amin'ny lalina aho, tany amin'ny farany lalin'ny ranomasina, ary nanodidina ahy ny herin-driaka; nanafotra ahy avokoa ny onja sy alon-dranonao. 4 Hoy aho hoe: 'Voaroaka tsy ho eo anoloan'ny masonao aho; kanefa dia mbola hitodika hanatrika ny tempolinao masina.' 5 Nihidy nanodidina ahy ka hatreny amin'ny vozoko ny rano; ary nanodidina ahy tokoa ny lalina; naningotra nanodidina ny lohako ny ahi-drano. 6 Nidina tany am-pototr'ireo tendrombohitra aho; dia nikatona tamiko mandrakizay ny tany sy ny hidiny. Kanefa mbola nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Ianao, ry Yaveh, Andriamanitro! 7 Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, dia nahatsirao an'i Yaveh aho; dia tonga teo Aminao ny fivavako, tao amin'ny tempolinao masina. 8 Ireo izay mihaino andriamanitra tsy misy dikany dia manary ny fahatokianao manoloana azy ireo. 9 Fa raha ny amiko kosa, dia hanao sorona ho Anao amin'ny feo fanoloram-pisaorana aho; ho tanterahiko izay efa nivoadiako. 10 Avy amin'i Yaveh ny famonjena!" Dia niteny tamin'ny hazandrano i Yaveh, ary naloany teny amin'ny tany maina i Jona.
Midika izany hoe "Yaveh, ilay Andriamanitra notompoiny." Ny teny hoe "-ny" dia tsy midika hoe tompon'Andriamanitra i Jona.
"Hoy i Jona"
"Nivavaka tamin'i Yaveh momba ny fikorontanako lehibe aho." Na dia mbola nivavaka tamin'i Yaveh aza i Jona, dia nampiasa ny anaran'i Yaveh izy eto fa tsy hoe "Ianao". DH: "Yaveh, niantso Anao momba ny loza aho"
"namaly ahy i Yaveh" na "nanampy ahy Izy"
"Avy any afovoan'ny Fiainan-tsy hita" na "avy any amin'ny faritra lalina indrindran'ny Fiainan-tsy hita." Mety ho dikany ny hoe 1)Niteny i Jona ho toy ny tao an-kibon'ny trozona ny tao amin'ny Fiainan-tsy hita na 2) Nino i Jona fa efa ho faty izy ary efa handeha any amin'ny Fiainan-tsy hita na 3) Niteny ho toy ny efa ho faty sy handeha ho any izy.
Tohin'ny vavak'i Jona izay niantomboka ao amin'ny 2:1 ity. Ao amin'ny andininy faha 4 dia niteny zavatra efa nivavahany talohan'io vavaka io izy.
Miresaka momba ny fidadasiky ny ranomasina izay nisy an'i Jona izany.
"any amin'ny fanambanin'ny ranomasina."
"nanakaiky ny manodidina ahy ny ranon'ny ranomasina."
Korontana eo amin'ny velaran'ny ranomasim-be ireo.
Azo atao tso-drafitra izany. DH: "Nandroaka ahy Ianao" na "Noroahinao aho"
"avy aminao." Raha niteny hoe "masonao" i Jona dia niresaka ny momba an'Andriamanitra manontolo izy.
Nanantena izany i Jona, na dia eo aza ireo nolalovany rehetra, dia hahita ny tempoly izy.
Tohin'ny vavak'i Jona izay nanomboka tao amin'ny 2:1 izany.
"Ny rano" dia ilazana ny ranomasina.
Ny dikan-teny sasany dia mahatakatra io fanehoan-kevitra io amin'ny teny Hebreo izay midika hoe "ny aiko". Amin'izany fandikana izany, efa hanongotra ny ain'i Jona ny rano.
"nanodidina ahy ny rano lalina"
"bozaka izay mitombo any an-dranomasina"
mampiasa fomba fiteny izy Jona mba hanoharany ny tany amin'ny fonja. DH: "tahaka ny fonja ny tany izay efa hanidy ahy ao mandrakizay."
Resahin'i Jona ho toy ny lavaka ny toeran'ny maty. Dh: "Fa nanavotra ny aiko tamin'ny toeran'ny maty Ianao." na "fa nanavotra ahy tamin'ny toerana izay misy ireo olona maty Ianao."
Amin'ny fiteny sasany, mety ho natoraly kokoa izany raha apetraka eo am-piandohan'ny fehezanteny na manaraka ny teny hoe "Ianao".
Tohin'ny vavak'i Jona izay nanomboka tao amin'ny 2:1 izany.
Hatramin'ny nivavahan'i Jona tamin'i Yaveh, ho mazava kokoa izany amin'ny fiteny sasany rah alazaina hoe "nisaintsaina Anao aho, ry Yaveh:" na "Ry Yaveh, nisaintsaina Anao aho" (UDB)
Lazain'i Jona ho toy ny afaka nandeha tany amin'Andriamanitra tao an-tempoliny ny fivavany. DH: "dia naheno ny fivavako tao amin'ny tempolinao masina Ianao"
"Ny olona izay mihaino andriamanitra tsy misy dikany."
"dia manary Anao, izay mahatoky amin'izy ireo."
Tohin'ny vavak'i Jona izay nanomboka tao amin'ny 2:1 izany.
Amin'ny teny Anglisy io fanehoan-kevitra io dia maneho fa misy fifanoherana eo amin'i Jona sy ny vahoaka izay vao noresahany teo. mihaino andriamanitra tsy misy dikany izy ireo, nefa tokony hanompo an'i Yaveh. DH: "Fa izaho"
Midika izany fa tokony hisaotra an'Andriamanitra i Jona raha nanatitra sorona ho Azy. Tsy mazava izany na mikasa hisaotra an'Andriamanitra amin-kira i Jona na amin'ny hikam-pifaliana.
Azo averina alamina izany ka ny anarana hoe "famonjena" dia ambara amin'ny matoanteny hoe "mamonjy". "Yaveh no Ilay Iray mamonjy ny vahoakany."
"amin'ny tany" na "teo amoron-dranomasina"
1 Ary tonga tamin'i Jona fanindroany indray ny tenin'i Yaveh nanao hoe: 2 "Mitsangàna, mandehana mankany Ninive, ilay tanàna lehibe, ary torio aminy ny hafatra izay andidiako anao." 3 Ary dia nitsangana Jona ka nankany Ninive tamin'ny fankatoavana ny tenin'i Yaveh. Ary Ninive dia tanàna lehibe tokoa, iray amin'ireo lalana hateloana. 4 Nanomboka niditra ny tanàna i Jona ary taorian'ny lalana iray andro dia niantso mafy izy ary niteny hoe: "Horavana i Ninive ao anatin'ny efapolo andro." 5 Nino an'Andriamanitra ny vahoaka tao Ninive ary niantso fifadian-kanina izy ireo. Nanao lamba fisaonana avokoa izy rehetra, hatramin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny kely indrindra amin'izy ireo. 6 Tsy ela dia tonga teo amin'ny mpanjakan'i Ninive ilay vaovao. Dia nitsangana avy teo amin'ny seza fiandrianany izy, nanaisotra ny akanjom-boninahiny, ka nanarona ny tenany tamin'ny lamba fisaonana, ary nipetraka teo an-davenona. 7 Nandefa fanambarana izy nilaza hoe: "Eto Ninive, amin'ny fahefan'ny mpanjaka sy ny olo-manan-kajany, aoka tsy hisy olona na biby, omby na ondry aman'osy, hanendry zavatra. Aoka tsy hihinana izy ireo, na hisotro rano. 8 Fa aoka ny biby sy ny olona hisarona lamba fisaonana ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin'Andriamanitra. Aoka ny tsirairay samy hiala amin'ny lalan-dratsiny sy amin'ny herisetra izay eo an-tanany. 9 Iza no mahalala? Mety hanenina ihany Andriamanitra ka hiova hevitra ary hiala amin'ny fahavinirany ka tsy ho ringana isika." 10 Hitan'Andriamanitra ny nataon'izy ireo, fa niala tamin'ny lalan-dratsiny izy ireo. Noho izany dia niova hevitra Andriamanitra ny amin'ny famaizana izay nolazainy hataony amin'izy ireo, ka tsy nataony izany.
Fomba fiteny hilazana izany fa miteny Andriamanitra. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 1:1. DH: "Niteny ny hafany Andriamanitra."
Et ny hoe "teny" dia manambara ny hafatr'i Yaveh. DH: "ny hafatr'i Yaveh."
"Mandehana any amin'ny tanan-dehiben'i Ninive"
Ilazana ny fialana amin'ny toerana nisy azy izany.
"teneno amin'ny olona izay noteneniko anao hotenenina amin'izy ireo."
"Tamin'io fotoana io dia nankatò an'Andriamanitra i Jona ary nandeha tany Ninive."
"ka nandao ny moron-tsiraka i Jona." Ny hoe "mitsangana" dia ilazana ny fandaozana ny toerana nisy an'i Jona.
Ampiasaina eto ity teny ity mba hanamarika ny fiovana eo amin'ny tantara ho amin'ny fampahafantarana ny momba an'i Ninive.
"tanàna amin'ny lalana hateloana." Tsy maintsy mandeha telo andro ny olona raha tena handeha any.
mety ho dikany ny hoe 1)"taorian'ny dian'i Jona iray andro dia niantso mafy izy" na 2) "raha mbola nandeha tamin'ny andro voalohany i Jona, dia niantso mafy izy."
"taorian'ny dia an-tongotra iray andro". Ny lalana iray andro dia halavirana izay tokony handehanan'ny olona ao anaty iray andro araka ny tokony ho izy. DH: "taorian'ny nandehanan'i Jona an-tongotra nandritry ny iray andro"
"nitory izy" na "nitabataba izy"
"40 andro"
Ny anton'ny nanaovan'ny olona akanjo fisaonana dia ambara mazava kokoa. DH: "Nanao akanjo ratsy ihany koa izy ireo mba hanehoana fa niala tsiny tamin'ny fanaovana ota izy." (UDB)
"hatramin'ny olona manan-danja indrindra ka hatramin'ny olona tsy manan-danja indrindra" na "tafiditra ao ny olona manan-danja rehetra sy ny olona tsy misy dikany rehetra" (UDB)
"ny hafatr'i Jona"
"Taitra teo amin'ny seza fiandrianany izy" na "Nijoro avy eo amin'ny seza fiandrianany izy." nandao ny seza fiandrianany ny mpanjaka mba hanehoany fa nanao fihetsika mendrika izy.
Ny seza fiandrianana dia seza izay ipetrahan'ny mpanjaka. Maneho izany fa izy no mpanjaka.
"Nandefa fanambarana ampahibemaso izy izay nilaza hoe" na "Nandefa ireo mpitondra hafany izy mba hanambara amin'ny mponin'i Ninive"
"mpanolotsaina" (UDB). Ireo dia olo-manan-danja izay nanampy ny mpanjaka hitondra ny tanàna.
Izany dia ilazana ireo karazam-biby izay iadidian'ny olona. DH: "omby sy ondry"
"Tsy mahazo mihinana na misotro na inona na inona izy ireo." Ny anton'ny tsy hihinana na hisotroana dia azo azavaina rah aampiana hoe "mba hanehoana fa niala tsiny tamin'ny fahotany izy ireo"
Tohin'ny zavatra notenenin'ny mpanjaka tamin'ny vahoakan'i Ninive izany.
"Aoka ny"
Azo atao tso-drafitra izany. DH: "aoka ny olona sy ny biby hanao lamba fisaonana" na "aoka hampitafy ny tenan'izy ireo sy ireo bibin'izy ireo amin'ny lamba fisaonana ny olona"
Ny teny hoe "biby" dia ilazana ny biby izay ananan'ny olona"
"hivavaka amim-pahamatorana amin'Andriamanitra." Azo azavaina izay nivavahan'izy ireo. DH: "hitaraina mafy amin'Andriamanitra ary hangataka famindram-po"
Midika izany hoe "ireo zavatra mahery setra izay nataony"
Mampiasa io fanontaniana fampisainana io ny mpanjaka mba hampisainana ny olona izay zavatra mety tsy hoeritreretin'izy ireo, fa tokony hijanona tsy hanota izy ireo, mety tsy hamono azy Andriamanitra. Izany dia afaka adika amin'ny fanambarana hoe: "Tsy fantatsika." Na mety hambara amin'ny teny iray izany ary anisan'ny fehezanteny manaraka hoe: "Angamba"
"Mety hanapa-kevitra hanao zavatra hafa Andriamanitra" na "Mety tsy hanao izay zavatra nolazainy hataony Andriamanitra"
"tsy ho faty isika." Eto ny hoe ringana dia milaza fa safotry ny ranomasina.
"Hain'Andriamanitra fa najanon'izy ireo ny fanaovany fihetsika ratsy"
Miresaka momba ny vahoaka nanajanona ny fahotana ny mpanoratra toy ny hoe nanome lamosina tamin'ny zavatra iray izy ireo.
"Nanova ny heviny momba ny sazy izay nolazainy hataony amin'izy ireo Andriamanitra" na "nanapa-kevitra ny tsy hanasazy azy ireo araka ny nolazainy hatao amin'izy ireo Andriamanitra"
Afaka hazavaina izay saika hataon'Andriamanitra. DH: "ary tsy nanasazy azy ireo Izy" na "ary tsy namotika azy ireo Izy"
1 Fa tsy nahafaly an'i Jona izany ka nanjary tezitra mafy izy. 2 Noho izany dia nivavaka tamin'i Yaveh i Jona ary nanao hoe: "Oh ry Yaveh, tsy izao ve no efa nolazaiko taminao rehefa tafaverina tany amin'ny fireneko aho? Izany no antony nihetsehako voalohany sy niezahako handositra tany Tarsisy—satria fantatro fa Andriamanitra manan-karem-pahasoavana, mahari-po, malain-ko tezitra, feno fahatokiana, ary manenina amin'ny fandefasana loza Ianao. 3 Koa ankehitriny ary, ry Yaveh, mitalaho aminao aho, esory amiko ny aiko, fa tsara ho ahy ny ho faty toy izay ho velona." 4 Hoy i Yaveh hoe: "Mety ve izao fahatezeranao loatra izao?" 5 Dia nivoaka ny tanàna i Jona ary nipetraka teny amin'ny ilany antsinanan'ny tanàna. Tany no nanaovany fialofana ka nipetraka teo ambanin'ny alok'izany izy mba hahitany izay mety hanjo ny tanàna. 6 Nanomana hazo Yaveh Andriamanitra ka nampaniry izany teo ambonin'i Jona hanalokaloka ny lohany mba hanamaivana ny fahoriany. Tena faly tokoa i Jona nohon'ny amin'ilay hazo. 7 Saingy nanomana kankana Andriamanitra tamin'ny fiposahan'ny masoandro ny ampitso maraina. Namely ny hazo izany ka dia maina ilay hazo. 8 Ary rehefa niposaka ny masoandro ny ampitso maraina, dia nanomana rivo-mahamay avy any antsinanana Andriamanitra. Ary koa, namely ny lohan'i Jona ny masoandro hany ka lany hery izy. Dia naniry ny hahafatesany i Jona. Hoy izy tamin'ny tenany hoe: "Aleoko maty toy izay ho velona." 9 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jona: "Mety ve izao fahatezeranao lehibe ny amin'ilay hazo izao?" Dia hoy i Jona hoe: "Mety ny fahatezerako, na ho amin'ny fahafatesana aza." 10 Hoy Yaveh hoe: "Nangoraka an'ilay hazo ianao, izay tsy niasanao, na nampanirianao. Naniry tao anatin'ny alina iray izany ary maty tao anatin'ny alina iray. 11 Toy izany koa ny Amiko, tsy tokony hangoraka an'i Ninive, ilay tanàna lehibe, izay misy vahoaka mihoatra ny zato sy roa alina izay tsy mahalala ny fahasamihafana eo amin'ny tanana ankavanana sy ny tanana ankavian'izy ireo, sy ireo biby fiompy maro ihany koa ve Aho?"
Ny teny hoe "Oh" dia maneho fa nahatsapa fahakiviana i Jona.
Nampiasa io fanontaniana fampiasainana io i Jona mba haneho ny hatezeran'Andriamanitra. Ary koa, azo azavaina izay notenenin'i Jona raha nandao ny fireneny izy. DH: "Fony tany amin'ny fireneko aho dia fantatro fa raha hanaitra ny vahoakan'i Ninive aho, dia hibebaka izy ireo, ka tsy horavainao izy ireo"
Mety ho dikany ny hoe 1) "Niezaka nisoroka izany aho tamin'ny nitsoahako tany Tarsisy" na 2) "Nihetsika faingana aho ary niezaka nandositra tany Tarsisy" na 3) "Nanao izay azo natao aho hitsoahako ho any Tarsisy."
"tena mahatoky" na "tia ny olona loatra Ianao" (UDB)
Izany dia midika hoe "nilaza Ianao fa handefa loza amin'ny mpanota, fa avy eo tapa-kevitra ny tsy hanao indray Ianao." DH: "Nanapa-kevitra ny tsy hanasazy ny olona izay nanota Ianao"
Azo ambara mazava ny anton'ny hiandrasan'i Jona ny fahafatesana. DH: "raha tsy handrava an'i Ninive Ianao araka ny nolazainao, mba aoka re aho ho faty" (UDB)
"tiako kokoa ny ho faty noho ny ho velona" na "satria te ho faty aho. Tsy te ho velona aho."
mampiasa io fanontaniana fampisainana io Andriamanitra mba hibedesana an'i Jona tamin'ny zavatra nahatezitra azy nefa tsy tokony ho hahatezitra akory. DH: "tsy mety ny fahatezeranao"
"nandao ny tanànan'i Ninive"
"izay tokony hitranga ami'ny tanàna" (UDB). I Jonah dia te hahita an'Andriamanitra raha hamotika an'i Ninive izy na tsia.
"tambonin'ny lohan'i Jona ho fialofana"
"mba hiaro an'i Jona tamin'ny hain'andro"
"Nandefa kankana Andriamanitra" (UDB)
"Nihinana ny hazo ny kankana"
Maina ilay hazo ka maty. DH: "maty ilay hazo"
Nahatonga rivo-mahamay avy any antsinanana mba hitsoka an'i Jona Andriamanitra. Raha midika hoe mangatsiatsiaka na mangatsiaka fotsiny ny rivotra dia azonao andramana amin'izao izany. DH: "Nandefa rivotra tena nahamay avy any antsinanana ho an'i Jona Andriamanitra."
"tena nahamay ny masoandro"
Mety nahare ny hafanana mahery teo an-dohany i Jona. DH: "teo amin'i Jona"
"lasa tena nalemy izy" na "very ny heriny"
"Tiako kokoa ny ho maty noho ny ho velona" na "Satria te ho faty aho. Tsy te ho velona aho" Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 4:1.
Nanao fanamby tamin'i Jona Andriamanitra tamin'ny nampahatezitra azy fa hoe maty ilay hazo, nefa ny hamonoan'Andriamanitra ny mponin'i Ninive no tiany. DH: "Tsy tsara ny fahatezeranao ny amin'ny fahafatesan'ilay hazo"
DH: "Tokony hiahiahy ny amin'ny fahafatesan'ny mponin'i Ninive kokoa ianao noho ny amin'ny fahafatesan'ny hazo".
"Mety ny fahatezerako. Ampy hahafaty ahy ny fahatezerako izao!" (UDB)
"Hoy Yaveh tamin'i Jona"
Mampiasa io fanontaniana io Andriamanitra mba hampisongadinana fa tokony hangoraka an'i Ninive izy. DH: "Tena tokony hangoraka an'i Ninive Aho, io tanàn-dehibe izany... biby fiompy."
Azo anombohana fehezanteny vaovao ihany koa izany. DH: "Misy maro ao" na "Misy maro izany"
vahoaka 120 000
Mety ho fomba hilazana hoe "tsy afaka hilaza ny fahasamihafana eo amin'ny sy ny diso" izany.
Manondro ny halalin'ny fibebahan'i Ninive ny mpanoratra mba hanitarany fa Yaveh dia manamarika ny fandraisan'ny biby anjara amin'ny hetsiky ny fibebahana.
1 Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Mika Morastita tamin'ny andron'i Jotama, Ahaza, sy Hezekia, ireo mpanjakan'ny Joda, ny teny izay hitany nahakasika an'i Samaria sy Jerosalema. 2 Mihainoa, ianareo ry vahoaka. Mihainoa, ry tany, sy izay rehetra eo aminao. Aoka ny Tompo Yaveh no ho vavolombelona hanohitra anareo, ny Tompo avy ao amin'ny tempoliny masina. 3 Indro, Yaveh mivoaka avy ao amin'ny fitoerany; hidina Izy ary handia eny amin'ireo fitoerana avon'ny tany. 4 Ireo tendrombohitra hiempo eo ambaniny; ireo lohasaha hitsonika tahaka ny savoka anoloan'ny afo, tahaka ny rano izay arotsaka any amin'ny hantsana. 5 Izany rehetra izany dia noho ny fikomian'i Jakoba, ary noho ireo fahotan'ny taranak'Israely. Inona no anton'ny fikomian'i Jakoba? Moa tsy i Samaria ve? Inona no anton'ireo fitoerana avon'i Joda? Moa tsy i Jerosalema ve? 6 "Hanao an'i Samaria ho korontam-bato eny an-tsaha Aho, tahaka ny toerana fambolem-boaloboka. Hanosika ireo orim-batony ho eny an-dohasaha Aho; ka hampiharihary ireo fanambaniny. 7 Ho voatorotoro ireo sarin-javatra voasokiny rehetra; ary ho may avokoa ireo fanomezany. Ireo sampiny rehetra hopotehiko. Satria avy amin'ireo fanomezana ho an'ny fijangajangany no nanangonany ireny, ary tamin'ny saran'ny fivarotan-tena no hiverenan'ireny." 8 Noho izany antony izany dia hitaraina sy hidradradradra aho; handeha tsy misy kapa aho ary mitanjaka; hidradradradra tahaka ny amboadia aho ary hisaona tahaka ny vorondolo. 9 Fa tsy ho sitrana intsony ny feriny, satria avy any Joda izany. Efa nahatratra ny vavahadin'ny vahoakako izany, dia any Jerosalema. 10 Aza milaza ny momba izany any Gata; aza mitomany akory. Ao Beti-le-afra aho no manosim-bovoka ny tenako. 11 Mandalova amim-pitanjahana sy henatra, ry mponin'i Safira. Aza mivoaka ry mponin'i Zanana. Aoka hisaona i Beti-haezela, satria nesorina ny fiarovan'izy ireo. 12 Fa miandry amim-pitaintainana ny vaovao mahafaly ireo mponin'i Marota, satria nilatsaka avy tamin'i Yaveh ho ao amin'ny vavahadin'i Jerosalema ny loza. 13 Fehezo amin'ny andian-tsoavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponin'i Lakisy. Ianao, ry Lakisy, no fiandoham-pahotana ho an'ny zanaka vavin'i Ziona, satria hita tany aminao ireo fahalotoan'Israely. 14 Ka dia homenao taratasy fisaorana i Moresetagata; ny renivohitr'i Akziba handiso fanantenana ireo mpanjakan'Israely. 15 Hitondra mpandresy ho any aminareo indray Aho, ry mponin'i Maresa; ho tonga any amin'i Adolama ny famirapiratr'Israely. 16 Harato ny lohanareo ary tapaho ny volonareo ho an'ireo zanakareo izay ankasitrahanareo. Solao tahaka ny voromahery ny tenanareo, fa ireo zanakareo handeha hatao sesi-tany hiala ao aminareo.
"ny teny izay notenenin'i Yaveh Andriamanitra"
Io dia anarana izay nampafantariny ny vahoakany tao amin'ny Testamenta Taloha.
Io dia midika fa avy any Morasteta izay tanàna any Joda izy.
"fony i Jotama, Ahaza, ary Hezekia no mpanjakan'i Joda"
DH: "Ny fahitana izay hitany mahakasika ny vahoakan'i Semaria sy Jerosalema"
Mika 1:2-7 dia mahakasika ny fitsaran'Andriamanitra tao Semaria.
Io no manomboka ny faminanian'i Mika. Ireo fanambarana ireo dia mitovy ny dikany ary manamafy fa ny olona rehetra ambonin'ny tany dia hihaino. Mika dia miresaka toy ny hoe mihaino azy eo avokoa ny vahoakan'ny tany rehetra.
DH: "hamotika tanteraka ny fitoerana avon'ny tany rehetra toy ny hoe manosihosy azy ireo amin'ny tongony Izy"
Io dia midika fa rehefa tonga handrava ny toerana masina fanompoan-tsampy Andriamanitra dia tsy hisy na inona na inona hahasakana Azy.
Ireo andian-teny ireo dia mitovy hevitra amin'ny ankapobeny ary manamafy fa Yaveh dia mihetsika nohon'ny fahotan'i fanjakana tavaratra sy fanjakana tandrefana.
"Ho avy ny Tompo ka hitsara"
Eto, "Jakoba" dia manondro ny fanjakana tavaratr'Israely. Mampiasa io fanontaniana i Mika mba hanamafisany fa ny vahoakan'i Samaria no antony hiavian'Andriamanitra hitsara ny fanjakan'Israely.
Mika dia mampiasa io fanontaniana io mba hanamafisany fa ny vahoakan'i Jerosalema no antony hiavian'Andriamanitra hitsara ny fanjakan'i Joda.
Eto, ny "Aho" dia manondro an'i Yaveh.
"hotorotoroiko ...hodorako"
Eto, ny "-ny" dia manondro ny tanànan'i Samaria.
Matetika ny fanompoan-tsampy dia arahina firaha-mandry amin'ny mpivarotena any amin'ny tempolin'ny fanompoan-tsampy.
Mika 1:8:16 dia mahakasika ny fitsaran'Andriamanitra tao Joda.
Eto, ny "aho" dia manondro an'i Mika.
Io dia mariky ny fisaonana sy fahoriana faratampony.
tena mety ho tsy nitanjaka tanteraka i Mika. Mety ho nanao salaka izy.
Ireo biby ireo dia fantatra amin'ny fidradradradrana mafy. Ary ireo dia hita any amin'ny tany tandrefana. DH: "Hidradradradra sy hisaona tahaka ny bibin'ny alina ianao"
Eto, ny "-ny" dia manondro ny tanànan'i Samaria. Io dia midika fa tsy misy na inona na inona mahasakana ny tafiky ny fahavalo avy handrava ny vahoakan'Israely.
Eto, ny "izany" dia manondro ilay "fery," izay, ireo tafika izay hampiasain'Andriamanitra mba hanasazy an'i Samaria.
Azonao atao ny manao fanamarihana manao hoe: 'ny anaran'io tanàna io dia midika hoe 'tranom-bovoka.'"
Ny olona eo ambany fitsaran'Andriamanitra dia maneho ny alahelo amin'ny fomba mahery.
Raha ny amin'ny dikan'ireo anaram-bohitra sy tanàna ireo, azonao atao ny mampiditra izany fampahafantarana izany ao anaty fanamarihana.
Ny anaran'io tanàna io dia toa tokana ihany ny heviny "tsara tarehy." Izany dia mifanohitra amin'ny "fitanjahana sy henatra."
Matetika ny tafiky ny fahavalo dia nampandeha ireo babo amim-pitanjahana tanteraka. Ary nisy ny henatra ny amin'ny maha-olona resy.
Io anaran-tanàna io dia midika hoe "mivoaka." Matahotra mafy ny hivoaka hanampy izy ireo.
Io anaran-tanàna io dia midika hoe "trano fanesorana"
DH: "satria efa nesoriko avokoa izay mety hiaro azy ireo.
Io anaran-tanàna io dia midika hoe "fangidiana"
Ny "loza" dia tena manan-danja ato amin'ny Mika izay miverina mitranga.
Misy lalaon-teny eto izay toa hoe "kalesy" amin'ny Hebreo. Ny vahoaka dia manosika ny kalesiny handositra, fa tsy hiady. Lakisy dia faharoa manan-dabja aorian'i jerosalema ao Joda.
Ny "zanaka vavin'ny" tanàna dia dia midika ny vahoaka ao amin'ny tanàna. Dikan-teny miovaova: "ny vahoakan'i Ziona" na "ny vahoaka izay monina ao Ziona."
DH: "satria tsy nankatò tahaka ny nataon'ny vahoakan'Israely iana"
Azonao atao ny manampy fanamarihana manao hoe: "Ny anarana 'Moreseta' dia midika hoe 'miainga' ary mitovy fandrenesana amin'ny 'fofombady.'" Toy ny hoe Moreseta ilay ampakarina izay alain'i Asyria ary ilay "fanomezana alohan'ny hiaingana" no vodiondry. Moresetagata dia zana-bohitra nisy ny tranon'i Mika.
Azonao atao ny manampy fanamarihana manao hoe: "Ny anaran'io tanàna io dia toa tsy mifankaiza amin'ny fomba fiteny Hebreo hoe: 'zavatra mamitaka'"
Eto, ny "Aho" dia manondro an'Yaveh.
Mety hanao fanamarihana manao hoe: "Eto dia misy lalaon-teny miaraka amin'ny anaran'io vohitra io sy ny teny Hebreo 'mpandresy.'" ianao. Io teny io dia nampiasaina tamin'ny nadresen'Israely an'i Kanana; fa ankehitriny dia ho resy Israely. Io vohitra io dia mety any akaikin'ny vohitra misy ny tranon'i Mika any Moresetagata
Io dia manondro tanànan'Andrian'i Filistina.
Ny fanaratana ny loha dia mariky ny fisaonana ho an'ireo Isreaelita.
1 Loza ho an'izay mamoron-keloka, ho an'izay mandrafitra ny hanao ratsy eo am-pandriany. Amin'ny maraina no anaovan'izy ireo izany satria manana fahefana izy ireo. 2 Maniry saha izy ireo ka giazany izany; maniry trano izy ireo ka maka izany. Mampahory olona sy ny ankohonany izy ireo, ary olona sy ny lovany. 3 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh hoe: "Indro, efa mitondra loza hamely izany fianakaviana izany Aho, izay tsy hanalanareo ny tendanareo. Tsy handeha amim-piavonavonana ianareo, satria dia ho fotoana ratsy izany. 4 Amin'izany andro izany dia hiventy hira momba anareo ireo fahavalonareo, ary hisaona amin'ny hira fisaonana. Izy ireo hihira hoe: 'Rava tanteraka izahay Israelita; Yaveh manova ny faritanin'ny vahoakako. Ahoana no hanesorany izany amiko? Mizara ireo sahanay ho an'ireo mpamadika Izy!'" 5 Noho izany, ianareo ry mpanan-karena dia tsy mba hanana taranaka hizara ny faritany amin'ny loka ao amin'ny fiangonan'i Yaveh. 6 "Aza maminany," hoy izy ireo. "Aoka izy ireo tsy haminany ireo zavatra ireo; aoka tsy ho tonga ny fahafam-baraka." 7 Ry taranak'i Jakoba, moa tokony tenenina tokoa ve izao hoe: "Tezitra ve ny Fanahin'i Yaveh? Moa tena asany ve ireo?" Moa tsy mampahatsara an'izay mandeha mahitsy ve ny teniko? 8 Any aoriana kely dia hitsangana tahaka ny fahavalo ny vahoakako. Manala ny tohitena, ny akanjo, eny amin'izay mandalo tsy amim-piahiahiana ianareo, tahaka ireo miaramila miverina avy any an'ady ho any amin'izay heveriny fa mandry fahalemana. 9 Alainareo amin'ireo trano mahafinaritra azy ireo ny vehivavin'ny vahoakako; sintoninareo amin'ny zanak'izy ireo mandrakizay ny fitahiako. 10 Mitsangàna ka mialà, fa tsy toerana ahafahanareo mitoetra ity, noho ny fahalotoany; nopotehina tamin'ny fahapotehana tanteraka ity. 11 Raha misy olona tonga any aminareo amin'ny fanahin'ny fandaingana sy lainga ka manao hoe: "Haminany aminao momba ny divay sy zava-pisotro mahery aho," dia heverina ho mpaminany ho an'izany vahoaka izany izy. 12 Hanangona anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba. Hanangona ny sisa amin'Israely tokoa Aho. Hitondra azy ireo miaraka tahaka ny ondry ao amin'ny andiany, tahaka ny andian'ondry eo afovoan'ny fihinanam-bilony Aho. Hisy feo avo noho ny fahamaroan'ny vahoaka. 13 Izay olona mamaky dia manokatra ny lalan'izy ireo ho azy ireo ka handeha eo alohan'izy ireo. Handeha hamaky ny vavahady izy ireo ka hivoaka; ny mpanjakan'izy ireo no handeha eo anoloany. Yaveh no ho mpitarika azy ireo.
Ny zavatra ifantohana ao amin'ny Mika 2:1-11, dia famelàna ireo tanàna ho tsarain'ireo mpitarika ao israely izay maka tombony amin'y mahantra sy tsy manaraka ny didin' Andriamanitra.
Io "fianakaviana" io dia manondro ny vondron'israely iray manontolo, izay misy ny olona manan-karena mampijaly ny mahantra. Ny fahotan'ireo mpitarika dia miverina amin'ny firenena iray manontolo.
Yaveh dia mihevitra ny fanasaziany toy ny hoe zioga manodidina ny tendan'izy ireo. Zavatra izay hampidina ny fireherehan'ireo mpanan-karena.
"higogogogo hitomany izy ireo"
Mampiasa io fanontaniana ao anatin'ny hirany ny fahavalo mba hanehoany fahalavoana tampoka amin'ireo mpitarika manan-karen'Israely satria Andriamanitra dia efa naka ny tanin'izy ireo ary nanome izany ho an'ny olo-kafa tahaka ny nakan'izy ireo ny tany tamin'ny mahantra. DH: "nalàny tamiko izany!"
Ireo izay naka ny tany tamin'ny mahantra dia handray tsy ilay lova izay nandàvany ny hafa.
Mika 2:6-11 dia miantefa amin'ireo mpaminany izay tsy nitory amim-pahamarinana, ireo izay nandà an'i Mika, ary ireo fomba maro izay nanaraotan'ny mpanan-lkarena ny fahefany.
"hoy ireo vahoakan'Israely"
"Aoka tsy haminany ireo mpaminany"
Mampiasa io fanontaniana io ireo vahoaka mba hanamafisanay fa diso fandray izy ireo ary tsy mino fa hanasazy azy ireo tokoa Andriamanitra.
Mampiasa io fanontaniana io i Mika mba hampianarany ireo vahoaka. DH: "Tsara ho an'ireo izay voakasiky ny fanaovana ny mahitsy ny hafatro."
Eto, ny "-ko" dia manondro an'i Yaveh.
Ireo mety ho heviny dia 1) Ny tian'i Mika ho tenenina dia ireo olona manan-karena izay mangalatra lamba ara-bakiteny amin'ireo mahantra, kanefa tsy dia inoana io. Na 2) Mika dia manondro ireo mpampindrana izay mihazona ny akanjon'ireo mahantra izay tonga mindrana vola ka nanome ny ankanjony ho antoka fa henefa izy ireo. Araka ny lalàna amin'ny Eksodosy, tsy maintsy mamerina ny akanjo mialohan'ny hariva izy ireo satria mety ho iny ihany no mba hany hanafana ilay mahantra amin'ny alina.
Manohy ny fitenenany amin'ireo mpanan-karena ratsy fanahy ao Israely i Yaveh.
Amin'ny ankapobeny, io dia manondro ny fitahiana izay nomen'Andriamanitra ny olona. Mety ho manondro 1)ny maha tompon-tany ao Israely, na 2)ny fampanantenana ho avy na 3) ireo rain-jaza, mpamboly izay miasa mafy mba hanorenana ny fifrenena.
DH: "Hopotehiko tanteraka ity"
DH: "ianareo doa hihevitra aazy ho"
Andriamanitra dia manohy ny fitenenany. Any amin'y faran'ity toko ity, Yaveh dia mampiseho ny tenany ho mpiandry ondry izay miaro ny vahoakany. Mety ho ireo izay any Jerosalema izay niverina avy tany Asyria indrindra indrindra no tiany hiantefana.
Io dia fakana sary an-tsaina ny Mpanjaka izay mitarika ireo vahoaka miala ao anaty tanàna mihidy.
1 Hoy aho: "Mihainoa ankehitriny, ianareo ry mpitarik'i Jakoba sy mpanapaka ny taranak'Israely: Moa ve tsy mety aminareo ny mahatakatra ny fahamarinana? 2 Ianareo izay mankahala ny tsara sy tia ny ratsy, ianareo izay manendaka ny hoditr'izy ireo, ny nofon'izy ireo amin'ny taolany— 3 ianareo izay mihinana ny nofon'ny oloko ihany koa, ary manendaka ny hodiny, manapaka ny taolany, ary mamakivaky azy ireo, tahaka ny hena atao ao am-bilany, tahaka ny hena atao ao amin'ny fandrahoan-kena. 4 Dia hiantso mafy an'i Yaveh ianareo mpanapaka, nefa tsy hamaly anareo Izy. Hanafina ny tavany aminareo Izy amin'izany fotoana izany, satria efa nanao asa ratsy ianareo." 5 Izao no lazain'i Yaveh momba ireo mpaminany izay nampirenireny ny oloko: "Ho an'izay namahana azy ireo dia hilaza izy ireo hoe: 'Hisy fanambinana.' Fa ho an'izay tsy nanisy na inona na inona ao am-bavany, dia hanomboka hiady aminy izy ireo. 6 Noho izany, dia ho alina ho anareo izany ary tsy hisy fahitana ho anareo; ho maizina izany mba tsy hanaovanareo sikidy. Hilentika amin'ireo mpaminany ny masoandro, ary ho maizina amin'izy ireo ny andro. 7 Ho menarina ireo mpahita, ary ho very hevitra ireo mpisikidy. Hanampina ny molony izy rehetra, satria tsy misy valiny avy aty Amiko." 8 Fa raha ny amiko, dia feno hery noho ny Fanahin'i Yaveh aho, sady feno fahamarinana sy faherezana, mba hanambara amin'i Jakoba ny helony, sy amin'Israely ny fahotany. 9 Mihainoa izao, ianareo mpitarika ny taranak'i Jakoba, sy mpanapaka ny taranak'Israely, ianareo izay mankahala fahamarinana, sy manodina ny zava-marina rehetra. 10 Manangana an'i Ziona amin'ny rà sy Jerosalema amim-pahotana ianareo. 11 Mitsara noho ny kolikoly ireo mpitsaranareo, mampianatra noho ny tamby ireo mpisoronareo, ary maminany noho ny vola ireo mpaminaninareo. Nefa ianareo miankina amin'i Yaveh ka manao hoe: "Moa tsy momba antsika ve Yaveh? Ka dia tsy hisy ratsy hahazo antsika." 12 Noho izany, noho ianao, dia hasaina toy ny saha i Ziona, ho korontam-bato i Jerosalema, ary ho tahaka ny havoana rakotr'ala ny havoan'ny tempoly.
Ny Toko faha 3 dia mifantoka amin'ny faharatsian'ireo mpitarika ao Israely.
Eto, ny "Aho" dia manondro an'i Mika.
Mampiasa io fanontaniana io i Mika mba hitenenana mafy ireo mpitarika satria tsy niaro ireo vahoaka mahantra na nitondra azy ireo ara-drariny izy ireo.
Mampiasa io sarin-teny mahatsiravina momba ny mpivaro-kena mitetika ny biby mba ho lasa hena io i Mika mba hanamafisany ny fahatafitohinan'Andriamanitra amin'ireo mpitarika noho'ny halozan'izy ireo tami'ireo izay tokony narovany.
Manohy ny fitenenana i Mika.
"mila vonjy amin'Andriamanitra"
Io dia midika fa tsy hihaino ny fitarainan'izy ireo Andriamanitra. Tsy nihaino ny fitarainan'ny mahantra izy ireo, ary tahaka izay koa no hitondran' Andriamanitra azy ireo.
Manohy ny firesahany ny fitsarana manohitra ny mpaminany sandoka i Mika.
Ao amin'io 3:6 io, Yaveh dia miteny fa ireo mpaminany sandoka dia tsy handray ny hafatr'Andriamanitra ho amin'ireo vahoakan'ny Israely. Matetika ny mpaminany dia maharay hafatra avy amin'Andriamaniytra amin'ny alalan'ny fahitana, na nofy amin'ny alina.
"Ho menariko ireo mpahita, ary hataoko very hevitra ireo mpisikidy"
"Tsy hiteny intsony izy ireo"
Io dia midika fa hangina Andriampanitra mba ho sazin'izy ireo.
Ny "amiko" eto dia manondro an'i Mika, izay mpaminany marina, manavaka ny tenany amin'ireo mpaminany sandoka.
Ny Fanahin'Andriamanitra dia nisafidy ny hanome hery, fitsarana, ary faherezana amin-kery, lalana manokana an'i Mika. DH: "Ny fanahin'i Yaveh dia nanome hery, fitsarana, ary faherezana ho ahy"
Ireo andalana ireo dia mitovy ny dikany ary samy manamafy fa ireo vahoaka tavaratra sy tatsimo dia efa samy nanota.
Ireo mpanan-karena dia nanorina ny trano mahafinaritr'izy ireo, matetika tamim-pandaniana sy tamim-pampijaliana ny mahantra.
Eto, ny "rà" dia manondro ny vono"
Mika dia milaza ireo mpitarika izay diso fihevitra fa tsy hanasazy ny azy ireo sy ny asa asa feno fahotan'izy ireo Yaveh. Ny teny Hebreo "ratsy" eto dia mitovy amin'ny "loza" ao amin'ny 2:3, izay teny famantarana ao anaty boky.
Eto, ny "ianao" dia manondro ireo mpisorona, mpaminany, ary ireo mpitarika tao amin'ny andiny tao aloha.
Ny fahapotehan'i Jerosalema tanteraka no tian'i Mika holazaina. Tanàna lehibe iray sy ny vahoaka maro izay monina ao dia handao ary hitrebona toy ny saha na ala izany.
Aorian'ny fahapotehany, Jerosalema dia azo asaina. DH: "Hisy olona hafa hiasa an'i Ziona toy ny saha."
Na dia ny faritry ny tempoly az dia tsy hamindrana fo. Efa nanimba izany ireo mpitarika, ary ho potika ihany koa izany.
1 Fa amin'ny andro farany dia hiorina eo amin'ireo tendrombohitra hafa ny tendrombohitry ny tranon'i Yaveh. Hasandratra ambonin'ireo havoana izany, ary hitanjozotra hankany amin'izany ireo vahoaka. 2 Handeha ireo firenena maro ka hanao hoe: "Avia, andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Yaveh, any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba. Hampianatra antsika ireo fombany Izy, ary handeha amin'ireo lalany isika." Fa avy ao Ziona no ivoahan'ny lalàna, ary avy ao Jerosalema ny tenin'i Yaveh. 3 Hitsara amin'ireo vahoaka maro Izy ary hanapa-kevitra mahakasika ireo firenana maro lavitra. Hively ny sabatr'izy ireo ho angady izy ireo ary ny lefony ho fanetezana. Tsy hanangana sabatra hifamely ny firenena, na hizatra ho amin'ny ady intsony. 4 Fa kosa, hametraka ny olona tsirairay ambanin'ny voalobony sy ambanin'ny hazon'aviaviny izy ireo. Tsy hisy olona hampitahotra azy ireo, fa ny vavan'i Yaveh Tompon'ny maro no efa niteny. 5 Fa ny vahoaka rehetra dia mandeha, ny tsirairay, amin'ny anaran'ny andriamaniny. Fa isika dia handeha amin'ny anaran'i Yaveh Andriamanitsika mandrakizay doria. 6 "Amin'izany andro izany" hoy Yaveh dia "Hanangona ny malemy sy hamory ireo voaroaka Aho, dia ireo izay nampahoriako. 7 Hataoko ho sisa tavela ny malemy, ary ho firenena matanjaka ireo izay voaroaka, ary Izaho, Yaveh, no hanjaka amin'izy ireo ao an-Tendrombohitr'i Ziona, ankehitriny ary mandrakizay. 8 Ary ianao, ry tilikambo fiambenana ny ondry aman'osy, havoan'ny zanakavavin'i Ziona— dia ho tonga aminao izany, haverina ny fanapahanao taloha, dia ny fanjakana izay an'ny zanakavavin'i Jerosalema. 9 Ankehitriny, nahoana no mihiaka mafy ianao? Tsy misy mpanjaka ve eo aminao? Maty ve ny mpanolotsainao? Izany ve no mahatonga ny fanaintainana mahazo anao tahaka ny an'ny vehivavy eo am-piterahana? 10 Aoka hanaintaina ary hihetsi-jaza raha hiteraka, ry zanakavavin'i Ziona, tahaka ny vehivavy miteraka. Fa ankehitriny ianao dia hivoaka ny tanàna, hitoetra any an-tsaha, ary handeha any Babylona. Any no hanavotana anao. Any no hanavotan'i Yaveh anao eo an-tanan'ireo fahavalonao. 11 Ankehitriny mivondrona hanohitra anao ireo firenena maro; hoy izy ireo: 'Aoka ho voaloto izy; aoka ny masontsika hifaly amin'i Ziona.'" 12 Hoy ny mpaminany: '"Tsy fantatr'izy ireo ny eritreritr'i Yaveh, sady tsy takany ny fikasany, fa efa namory azy ireo tahaka ny amboara ho eo am-pamoloana Izy." 13 Hoy Yaveh: "Mitsangàna ka miveleza, ry zanakavavin'i Ziona, fa hataoko vy ny tandrokao, ary hataoko varahina ny kitronao. Hanorotoro vahoaka maro ianao. Izaho hanokana ireo hareny tsy ara-drariny ho an'ny tenako, Yaveh, ny fananan'izy ireo ho Ahy, ilay Tompon'ny tany manontolo."
DH: "Hanarina ny tendrombohitra izay hanorenany ny tempoliny i Yaveh"
Io dia midika fa ny Tendrombohitra Ziona dia ho manan-danja indrindra eo amin'ireo tendrombohitra rehetra. Mety ho midika ihany koa io fa io tendrombohitra io no ho tendrombohitra avo indrindra amin'izao tontolo izao, fa tsy amin'ny faritra iray ihany.
DH: "homena voninahitra mihoatra noho ireo tendrombohitra hafa"
Ho any amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra tahaka ny rano mikoriana ireo vahoakan'ny firenena. Midika izany fa vahoaka maro no ho any. DH: "Ireo vahoakan'ny firenena dia hikoriana tahaka ny renirano ho any amin'izany" na "Ho any amin'izany ireo vahoakan'ny firenena"
Ireo tondrombohitra sy ireo trano dia samy fanondroana ny tendrombohitr'i Jerosalema.
Eto, ny "fombany" sy ny "lalany" dia manondro izay tian'Andriamanitra hataon'ireo vahoaka. Ary ny "handeha" dia midika fa hankatò izay lazainy izy ireo.
Eto, ny teny "lalàna" sy ny "teny" dia firesahana zavatra mitovy. Ny firenen'izao tontolo izao dia handre ny lalàn'Andriamanitra ao Jerosalema.
Ny angady dia vy misy lelany maranitra izay ampisain'ny olona mba hangadiana ny tany ka hahafahan'izy ireo mamboly voa.
Ireo andian-teny ireo dia samy midika fa hanova ny fitaovam-piadian'izy ireo ho fitaovana izay ampisaina mba hamokarana sakafo izy ireo.
Ny fanetezana dia ampiasaina mba handrantsanana na hanapahana ny sampana na sampaho amin'ny zava-maniry iray mba hamokaran'izany tsara kokoa.
Manohy ny fanoritsoritany ny "andro farany" izay hianaran'ny vahoaka ny lalàn'i Yaveh sy ny hankatòavan'izy ireo izany i Mika.
Io dia sarin-tenin'ny olona miaina amim-piadanana.
DH: satria Yaveh tompon'ny maro no efa niteny"
Io andian-teny io dia midika fiderana sy fankatòavana
Manohy ny fanoritsoritany ny "andro farany" izay hianaran'ny vahoaka ny lalàn'i Yaveh sy ny hankatòavan'izy ireo izany i Yaveh.
"amin'ny ho avy"
"hanambatra ireo izay marefo aho"
"ary hanambatra ireo izay tsy maintsy noroahiko Aho"
DH: "ary ireo izay noroahiko dia hataoko ho firenena matanjaka"
Yaveh dia mampiasa io andian-teny io mba hanamafisana fa ny vahoakan'i Jerosalema dia heverina ho miambina sy mikarakara ireo vahoakan'iIsraely rehetra.
Ny "zanaka vavy" 'ny tanàna dia manondro ireo vahoakan'ny tanàna. DH: "havoana izay ipetrahan'ny vahoakan'i Ziona"
Ny dikan-teny vaovao sasany dia mahazo io teny Hebreo io amin'ny hoe "mandà" na "trano fiarovana" eto.
Mika dia maneso ireo vahoaka, miezaka ny mampisaina azy ireo ny amin'ny antony hitondran' Andriamanitra azy ireo amin'izany fomba izany. DH: "Ankehitriny, mihiaka mafy ianareo."
Manohy ny fanantefany amin'ireo vahoaka amin'ny feo maneso i Mika. Ny valin'ireo fanontaniana ireo dia "tsia". Ny mpanjaka sy ny mpanolotsaina dia mbola ao, saingy tsy misy ilàna azy sy tsy mitondra fanampiana izy ireo. DH: Ko nahona ianareo no midradradradra ankehitriny? Satria ve tsy manana mpanjaka ianareo? Moa efa moa efa maty avokoa ireo olon-kendrinareo? Mitomany mafy tahaka ny vehivavy miteraka ianareo." (UDB)
Mampiasa io sarin-teny momba ny vehivavy miteraka io i Mika mba hanamafisany ny fahorian'ny voasesi-tany. Ny tiany holazaina dia hoe; tokony hanaintaina izy ireo satria Andriamanitra no manasazy azy ireo amin'ny alalan'ny fampodiana azy ireo avy avy israely. Maro amin'izy ireo no tsy hody intsony.
DH: "Any no hanavotan'i Yaveha anao"
Handresy ireo fahavalony i Jerosalema.
DH: "Aoka isika handrava ny tanànan'i Jerosalema sy handrigana ny vahoakany mba hahazoantsika fahafinaretana ny amin'ny faharavany."
Io dia midika fa efa miomana ny hanasazy azy ireo vahoakan'ny firenena ihany koa i Yaveh.
Mampiseho ny sarin-tenin'ny famoloana i Yaveh. (Jereo 4:11)
Hampiasa ireo vahoakan'i Ziona mba hanasaziana ireo vahokan'ny firenena i Yaveh.
Yaveh dia mampitaha ny vahoakan'i Ziona amin'ny omby izay hanosihosy ny vary. Io dia midika fa hampatanjaka ireo vahoakan'i Israely indray Yaveh mba hahafahan'izy ireo mandresy ireo firenena hafa.
1 Ankehitriny miaraha tonga ao amin'ny filaharan'ady, ry zanakavavin'ireo miaramila; efa nametraka tovon-tany manodidina ny tanàna ireo miaramila, amin'ny tsora-kazo no hamelezany ny mpitsaran'ny Israely eo amin'ny takolany. [1]2 Nefa ianao, ry Betlehema Efrata, na dia kely indrindra eo amin'ireo fokon'i Joda aza ianao, dia ao aminao no ivoahan'ny olona hankeo Amiko mba hanapaka ny Israely, izay hatramin'ireo fotoana fahiny ny fiandohany, ka haharitra mandrakizay. 3 Noho izany dia hahafoy azy ireo Andriamanitra, hatramin'ny fotoana hitrotroan'izay mihetsi-jaza zazakely, ary ny tavela amin'ireo anadahiny dia hiverina any amin'ny vahoakan'Israely. 4 Hijoro Izy ary hiandry ny ondry aman'osiny amin'ny herin'i Yaveh, amin'ny voninahitry ny anaran'i Yaveh Andriamaniny. Hitoetra izy ireo, ary satria ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy. 5 Ho fiadanantsika Izy. Rehefa tonga ao amin'ny tanintsika ireo Asyriana, rehefa manao diabe hanohitra ireo fiarovana mafintsika izy ireo, dia hitsangana hanohitra azy ireo amin'ny mpiandry ondry fito sy mpitarika valo amin'ireo olona isika. 6 Hiandry ny tanin'ny Asyria amin-tsabatra izy ireo, ary eo fidirana ao amin'izany ny tanin'i Nimroda. [2] Hanavotra antsika amin'ny Asyriana Izy, rehefa tonga ao amin'ny tanintsika izy ireo, rehefa manao diabe anatin'ny faritanintsika izy ireo. 7 Ny sisa tavela amin'i Jakoba dia ho eo afovoan'ireo vahoaka maro, tahaka ny ando avy amin'i Yaveh, tahaka ny ranon'orana eo amin'ny ahi-maitso, izay tsy miandry olona, ary tsy miandry ny zanak'olombelona izy ireo. 8 Ny sisa tavela amin'i Jakoba dia ho eo amin'ireo firenena, eo amin'ireo vahoaka maro, tahaka ny liona eo amin'ireo biby any an'ala, tahaka ny liona tanora eo amin'ireo andian'ondry. Rehefa mamakivaky eo amin'ireo izy, dia hanosihosy ireo sy hamotipotika ireo, ary tsy hisy olona hamonjy azy ireo. 9 Hisandratra hamely ireo fahavalonao ny tananao, ka hamotika azy ireo izany. 10 "Izao no hitranga amin'izany andro izany" hoy Yaveh "Hovonoiko eo aminao ireo soavalinao ary hopotehiko ireo kalesinao. 11 Horavàko ireo tanàna ao amin'ny taninao ary harodako ny mandanao rehetra. 12 Hopotehiko ny sikidy eo an-tananao, ary tsy hanana mpisikidy intsony ianao. 13 Hopotehiko ireo sary sokitrao sy ireo tsangam-batonao eo aminao. Tsy hanompo ny asa-tananao intsony ianao. 14 Hofongoriko eo aminao ireo baon'aserahanao, ary horavàko ireo tanànanao. 15 Hanatanteraka valifaty amim-pahatezerana sy fahavinirana eo amin'ireo firenena izay tsy nankatò Aho."
Yaveh dia miresaka ireo vahoakan'io tanàna io toy ny hoe manatrika mihaino eo izy ireo.
Io dia midika fa hanao zavatra lehibe amin'io tanàna kely tsy misy dikany io Andriamanitra.
Eto, ny "amiko" dia manondro an'i Yaveh.
Io dia manondro ireo mpanapaka avy tamin'ny fianakavian'i Davida Mpanajaka hatramin'ny fahiny. Ny andian-teny "hatramin'ny fahiny" sy ny "haharitra mandrakizay" dia mitovy hevitra amin'ny ankapobeny ary manamafy ny faharetan'ny filaharan'io fianakaviana io.
"Noho izany dia handao ireo vahoakan'Israely Andriamanitra"
Io dia manondro ny fotoana izay hahaterahan'ilay mpanapaka, fotoana voafetra.
"Ny tavela amin'ireo mpiray fiavina aminy." Ireo dia ireo Israelita an-tsesi-tany. Eto, ny "aminy" dia manondro ilay zaza izay ho mpanapaka.
Ireo andininy ireo dia manohy ny fanoritsoritana ilay mpanapaka avy ao Betlehema.
DH: "Hitarika ny olony amin'ny herin'Andriamanitra Izy."
DH: "amin'ny herin'ny fahefan'i Yaveh Andriamaniny"
Eto, ny "izy ireo" dia manondro ire vahoakan'Israely? Ny teny "Israely" na "Jerosalema" dia azo lazaina. DH: "Hitoetra any Israely ireo vahoaka" na "Hitoetra any Jerosalema ireo vahoaka"
Io dia midika fa any aoriana any dia hanome voninahitra ny mpanapak'israely avokoa ny olona rehetra manerana ny firenen-drehetra.
Eto, ny "-tsika" dia manondro an'i Mika sy ireo vahoakan'Israely. DH: "Ho olon'ny fiadanana Izy"
Eto, ny "mpiandry ondry" dia midika hoe "mpanapaka." Ary, azonao atao ny manampy fanamarihana manao hoe: "Ny isa "fito" sy ny "valo" atambatra dia midika fa misy mpitarika maro mihoatra noho ny ampy mba hahazoana izay ilaina ao."
Eto ny fadresena ireo Asyriana dia resahina toy ny hoe miandry ondry.
Io dia anarana hafa hiantsoana ny tanin'i Asyria. Nimroda dia mpihaza sy mpitarika taloha. Azon'ny mpandika teny atao ny manampy fanamarihana: "Ny anarana 'Nimroda' dia midika hoe 'fikomiana.'"
Io fomba fiteny io dia azo takarina amin'ny hoe "eo m-bavahadiny." Ny vavahadin'ny tanàna dia toerana izay an-kalamanjana izay matetika fandraisan'ireo mpitarika fanapahan-kevitra lehibe.
"Hanavotra antsika ilay mpanapaka"
Io dia manamafy fa ny vahoakan'i Joda dia ho famelombelomana, fitahiana, ho an'ireo firenana.
DH: "ary hiandry sy hiankina amin'Andriamanitra izy ireo"
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy ny heviny amin'ny ankapobeny ary manamafy fa ny "sisan'i Jakoba" dia honina amin'ny firenena maro samihafa.
Io dia manamafy fa ny vahoakan'Israely dia hanana hery sy herim-po rehefa any an-tsesi-tany mba hitsara sy hamotika ireo fahavalo.
Io dia manondro fotoana tsy voafaritra amin'ny ho avy, mety handritra ny fotoana maha sesi-tany.
Nampiasa soavaly sy kalesy ny vahoakan'Israely tao anaty ady indray mandeha. Mety ahitana fifandraisana amin'ireo firenena hafa, ireo firenenana mpaniratsira izany. Andriamanitra dia tsy naniry ny hatokisan'ireo vahoaka ny fitaovam-piadin'izy ireo mba hiaro azy noho ny nahatokisan'izy ireo Azy.
Manohy ny fitenenany amin'ireo vahoakan'Israely i Yaveh.
1 Ankehitriny mihainoa izay lazain'i Yaveh: "Mitsangàna ary alaharo eo anatrehan'ireo tendrombohitra ny raharahanareo; aoka ireo havoana handre ny feonareo. 2 Mihainoa ny adin'i Yaveh, ianareo tendrombohitra, sy ianareo fanambany maharitry tany. Fa manana ady amin'ny vahoakany Yaveh, ary hiady hanohitra ny Israely eo amin'ny fitsarana Izy." 3 "Ry oloko, inona no nataoko anareo? Ahoana no nandrerahako anareo? Mijoroa vavolombelona hanohitra Ahy! 4 Fa nentiko niakatra hivoaka ny tany Egypta ianareo ary navotako hivoaka ny trano fanandevozana. Naniraka an'i Mosesy, Arona, ary Miriama taminareo Aho. 5 Ry oloko, tsarovy izay noheverin'i Balaka mpanjakan'i Moaba, sy ny fomba namalian'i Balama zanak'i Beora azy raha nandeha nankany Sitima ka hatrany Gilgala ianareo, mba hahafahanareo mahafantatra ny asa-marin'i Yaveh." 6 Inona no tokony ho entiko ho an'i Yaveh, raha miankohoka eo amin'Andriamanitra Avo aho? Tokony ho tonga eo Aminy miaraka amin'ny fanatitra dorana, amin'ny zanak'omby herintaona ve aho? 7 Moa ve Yaveh hankasitraka ondrilahy an'arivony, na onin-diloilo an'aliny? Tokony hanolotra ny lahimatoako noho ny heloko ve aho, ilay naterako noho ny fahotako ihany? 8 Efa niteny anao Izy, ry olona, hoe inona ny tsara, ary inona no takian'i Yaveh aminao: Manaova ny marina, tiava amim-pahatsorana, ary mandehana amim-panetren-tena miaraka amin'Andriamanitrao. 9 Manao fanambarana amin'ny tanàna ny feon'i Yaveh— na ny fahendrena aza ankehitriny dia miaiky ny anaranao: "Henoy ny tsora-kazo, sy ny olona izay nametraka izany tamin'ny fitoerany. [1]10 Misy harena ao an-tranon'ny ratsy fanahy tsy marina, ary fandrefesana mandainga izay fahavetavetana. 11 Tokony hihevitra ny olona ho tsy manan-tsiny ve Aho raha mampiasa mizàna mandainga izy, miaraka amin'ny harona fandanjana mamitaka? 12 Feno herisetra ny mpanan-karena, efa nilaza lainga ireo mponina, ary mpamitaka ny lelany ao am-bavany. 13 Noho izany dia namely anao tamin'ny ratra maharary Aho, efa nataoko ho rava noho ireo fahotanao ianao. 14 Hihinana ianao fa tsy ho afa-po; hitoetra ao anatinao ny hanoananao. Hanangona harena ianao fa tsy hahangona, ary izay voahangonao dia homeko ny sabatra. [2]15 Hamafy ianao fa tsy hijinja; hanitsakitsaka oliva ianao fa tsy hihosotra diloilo; hanosihosy voaloboka ianao fa tsy mba hisotro divay. 16 Ireo fitsipika nataon'i Omry dia efa voatandrina, ary ireo asan'ny taranak'i Ahaba rehetra. Mandeha araka torohevitr'izy ireo ianao. Koa hataoko, ho faharavana, ianao ry tanàna, ary zavatra mampisitrisitra ianareo ry mponina, ary hizaka latsa tahaka ny vahoakako ianareo." [3]
Ao amin'ny 6:1-5, Mika dia mampiasa sarin-teny fitsarana. Miteny eo anoloan'ireo vavolombelona i Yaveh mba hamaritany ny antony nandaozan'ireo vahoakan'Israely an'Andriamanitra sy nanombohan'izy ireo nanompo sampy.
Mika dia miresaka ireo zavatra ireo toy ny hoe olombelona. Mika dia mampiasa ny tendrombohitra, ny havoana, ny fanambany maharitry tany ho toy ny hoe vavolombelona manohitra ny fanompoan-tsampin'ireo vahoakany.
Io dia manohy ny fitorian'Andriamanitra manohitra ny vahoakan'Israely.
Andriamanitra dia mampiasa io fanontaniana io mba hanamafisana fa Izy dia Andriamanitra tsara, ary tsy nanao zavatra nahatonga ny olona hitsahatra amin'ny fanompoana Azy Izy. DH: "Ry oloko, tsara teo aminareo Aho. Tsy nanao zavatra hankahalanareo Ahy Aho. Raha hoy ianareo hoe efa nanao izany Aho, dia mijoroa vavolombelona manohitra Ahy ankehitriny."
DH: "Toerana izay naha-andevo anareo"
"tadidio"
Io dia manondro ny fotoana efa lasa izay nanakaraman'i Balaka Mpanjaka an'i Balama mba hanozona ny vahoakan'Israely. Na izany aza, dia ny hitahy ireo vahoaka ihany no namelàn'Andriamanitra an'i Balama.
Io dia anaran'ny rain'i Balama.
Io dia anaran-tanana iray any Moaba.
"Mba hahatsiarovana hoe iza moa Aho, sy ny zavatra nataoko ho anao"
Mampiasa io fanonataniana io i Mika mba hampianarany ireo vahoakan'Israely mahakasika izay tena mahafaly an'Andriamanitra. DH: "Tsy azonao an-tsaina mihitsy fa afaka mamalifaly an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitondrana zanak'omby herintaona 1000, ondrilahy 1000, onin-diloilo 10.000, eny na dia ny voalohan-terakao ho sorom-pahotanao aza ianao."
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy ny heviny.
"Efa niteny anao i Yaveh"
DH: "Manao fanambararana amin'ireo vahoakan'Israely ao Jerosalema i Yaveh"
DH: "ary ny olon-kendry dia hatahotra an'Andriamanitra" na "ary ny olon-kendry dia hankatò izay lazain'i Yaveh"
Eto, ny "tsora-kazo" dia manondro ireo tafiky ny fahavalo izay hiarahan'Yaveh mba hanafaizany ny olony.
Io dia manondro ny fandanjana izay nandanjana zavatra tsy araka ny tokony ho izy ka nahafahan'ilay olona mamitaka an-kitsirano ny hafa sy mahazo vola bebe kokoa ho an'ny tenany.
Mampiasa io fanontaniana io i Yaveh mba hanamafisany fa mihevitra ireo olona izay mamitaka ny hafa mba hahazoany vola maro ho meloka Izy. DH: "Hihevitra ny olona iray ho meloka tokoa Aho raha mampiasa sy mandanja amin'ny mizàna tsy marina mba hamitahana ny hafa sy hahazoana vola bebe kokoa ho an'ny tenany izy.
"Ny mpanan-karena dia manararaotra ny mahantra"
Ireo fehezanteny ireo dia milaza zavatra mitovy ary ampiarahina mba ho fanamafisana. DH: "mpandainga avokoa ianareo rehetra." Io dia tokony hisy akony ara-tsaina ho an'ny mpamaky.
Yaveh dia manoritsoritra ny fanasaziany ny vahoakany toy ny ny hoe mamela ny tafiky ny fahavalony ho avy ka haka ny zavatra rehetra izay namboleny, nokarakarainy, sy notehiriziny ho azy ireo.
Manohy ny fitenenany amin'ireo vahoakan'Israely i Yaveh.
"Efa nanao izay nandidian'i Omry ianareo"
Ireo lehilahy ireo dia samy efa mpanjaka teo amin'ny fanjakana tavaratr'Israely avokoa. Samy noheverin'Andriamanitra ho ratsy fanahy avokoa izy ireo.
"efa nanao ireo zava-dratsy izay nasain'i Omry sy Araba nataon'ireo vahoaka ireo ianao"
Io dia zavatra maneso amin'ny alalan'ny fisitrisitriana amin'izany.
1 Lozako! Fa ho ahy izany dia tahaka ny hoe tapitra ny fiotazana ny voankazo, sady ihany koa fanangonana ny ambim-boaloboka ao amin'ny tanimboaloboka: Tsy misy sampahom-boaloboka hita intsony, tsy nisy tamin'ireo aviavy nialin-taona izay niriako fatratra. 2 Nanjavona tamin'ny tany ny olona mahatoky, tsy misy olo-mahitsy ao amin'ny olombelona rehetra. Manotrika handatsa-drà avokoa izy rehetra; ny tsirairay mihaza ny rahalahiny amin'ny harato ny ihany. 3 Mailaka amin'ny fanaovan-dratsy ny tanan'izy ireo: mitaky vola ireo mpanapaka, vonona amin'ny kolikoky ny mpitsara, ary milaza amin'ireo hafa izay tiany ho azo ny lehilahy matanjaka. Dia toy izany no iarahany miteti-dratsy. 4 Ny tsara indrindra amin'izy ireo dia tahaka ny roy, ny mahitsy indrindra dia fefy tsilo. Izany dia andro efa voalazan'ireo mpitilinao mialoha, dia ny andro famaizana anareo. Izao no fotoan'ny fahaverezan-kevitr'izy ireo. 5 Aza mahatoky mpiara-belona; aza mametra-pitokiana amin'ny namana. Tandremo izay lazainao na dia amin'ny vehivavy izay mandry eo an-tsandrinao aza. 6 Fa haniratsira ny rainy ny zanaka lahy, hitsangana hanohitra an-dreniny ny zanaka vavy, ary ny vinanto vavy hanohitra ny rafozam-baviny. Ny olona ao an-tranony ihany no fahavalon'ny olona. 7 Fa raha izaho aloha, dia hijery an'i Yaveh aho, hiandry ny Andriamanitry ny famonjena ahy aho; handre ahy ny Andriamanitro. 8 Aza mifaly amiko, ry fahavaloko. Fa rehefa lavo aho, dia hiarina indray. Raha mipetraka ao amin'ny aizina aho, dia Yaveh no ho fahazavana ho ahy. 9 Satria nanota tamin'i Yaveh aho, dia hizaka ny hatezerany mandra-pandahany ny teniko, sy hanatanterahany fitsarana ho ahy. Hitondra ahy ho eo amin'ny fahazavana Izy, ary hahita Azy manavotra ahy ao amin'ny fahamarinany aho. 10 Dia hahita izany ireo fahavaloko, ka ny henatra no hanarona izay niteny tamiko hoe: "Aiza Yaveh Andriamanitrao?" Hijery azy ny masoko; ho voahosihosy tahaka ny fotaka eny an-dalana izy. 11 Ho tonga ny andro hananganana ny mandanao; amin'izany andro izany dia hitarina hatrany lavitra ireo faritaninao. 12 Amin'izany andro izany dia ho tonga aminao ny vahoakanao, avy any Asyria sy ireo tanàna any Egypta, avy any Egypta ka hatrany amin'ny renirano lehibe, Eofrata, avy amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina, ary avy amin'ny tendrombohitra ka hatrany amin'ny tendrombohitra. 13 Ireo tany ireo dia hilaozana noho ny vahoaka izay mipetraka ao ankehitriny, noho ny vokatry ny asan'izy ireo. 14 Ambeno amin'ny tsora-kazonao ny vahoakanao, dia ny ondry aman'osin'ny lovanao. Mitoetra irery any an'ala izy ireo, eo afovoan'ny tanimboly. Aoka izy ireo hiraoka any Basana sy Gileada tahaka ny tamin'ny andro fahiny. 15 Tahaka ny tamin'ny andro izay nivoahanao ny tany Egypta, dia haneho fahagagana azy ireo Aho. 16 Hahita ary ho menatry ny heriny rehetra ireo firenena. Hitampim-bava izy ireo; harenina ny sofin'izy ireo. 17 Hilelaka ny vovoka tahaka ny bibilava, tahaka ny zava-boaary izay mikisaka amin'ny tany izy ireo. Hivoaka avy ao an-davany amin-tahotra izy ireo; ho avy amin-tahotra eo Aminao izy ireo, ry Yaveh Andriamanitray, ary hatahotra noho Ianao. 18 Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Ianao izay manala fahotana, Ianao izay mandalo ambonin'ny heloky ny sisa tavela amin'ny lovanao? Tsy mitàna ny fahatezeranao mandrakizay Ianao, satria tianao ny maneho ny famindram-ponao aminay. 19 Hangoraka anay indray Ianao; hanitsaka ireo helokay ao ambany tongotrao Ianao. Hanary ny otanay rehetra ao amin'ireo lalin'ny ranomasina Ianao. 20 Hanome ny marina ho an'i Jakoba sy famindram-po ho an'i Abrahama Ianao, tahaka ny nianiananao tamin'ireo razambenay tamin'ireo andro fahiny.
Mika dia manamafy fa tsy misy olona mahitsy, mahatoky amin'Andriamanitra intsony ao Israely. DH: "Amiko, ny vahoakan'Israely dia tahaka ny tanim-boaloboka aorian'ny fiotazava sy ny fitsimponana. Zara raha misy ny voaloboka. Tsy mahita voa intsony aho, kanefa maniry fatratra ny hihinana aviavy masaka aho.
Mika dia manitatra ny haratsin'ny zava-misy. Tsapany ho tsy misy olona tsara tavela intsony ao Israely.
Manohy ny firesahany mahakasika ireo vahoakan'Israely.
DH: "Mailaka amin'ny fanaovan-dratsy ireo vahoaka"
Io dia midika fa na dia tsara indrindra aza ireo mpitarika ao Israely dia niteraka ratra sy tsy mendrika.
Eto, ny "ianareo" dia mbola manondro ny vahoakan'Israely hatrany. DH: "Ny mpaminanin'izy ireo dia efa nilaza tamin'izy ireo fa hanasazy azy ireo Yaveh"
Mety ho manondro ny faharesen'ireo miaramila io. DH: "Eto izany ankehitriny, ary tsy hahalala izay miseho izy ireo"
Manohy ny fitenenany amin'ireo vahoan'Israely i Mika.
Mika dia maneho ny fanehoany fa tsy misy zavatra tsara, mahitsy intsony, ary tsy misy olona mahatoky amin'Andriamanitra intsony eo amin'ireo vahoakan'Andriamanitra. Eto, izy dia manamafy fa na dia ny namany sy ny fianakaviany aza dia tsy azony hitokisana intsony.
Ny "izaho" eto dia manondro an'i Mika.
Tsy ny tenany ihany no tondroin'i Mika. Ny tiany holazaina dia ny hoe: tsy tokony hifaly amin'izay mitranga eo amin'ireo vahoakan'Israely ireo fahavalo.
Mika dia manondro ny loza izay ho avy amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe "aizina." Ny tiany holazaina dia ny hoe: na dia hamela ireo fahavalo handrava azy ireo aza Andriamanitra ankehitriny, dia ho avy Izy ary hanavotra azy ireo amin'ny ho avy.
Tsy ny tenany ihany no tondroin'i Mika. Ny tiany holazaina dia ny hoe: ny vahoakan'Israely rehetra mihitsy no efa nanota.
Io dia manondro ny fotoana hilazan'Andriamanitra fa ampy izay ny fanasaziany ireo vahoakany. Ary hanasazy ireo vahoakan'ny firenena hafa izay nampijaly ny vahoakan'Israely indray izy avy eo.
DH: "Ho avy hanavotra antsika amin'ny fahavalontsika Izy. Izany dia ho tahaka ny fitondrana olona iray avy ao amin'ny maizina ho amin'ny mazava"
Tsy ny tenany ihany no tondroin'i Mika. Ny tiany holazaina dia ireo fahavalon'ny vahoakan'Israely rehetra.
Mampiasa io fanontaniana io ny fahavalo mba hanesoana ireo vahoakan'Israely. DH: "Tsy afaka manampy anareo i Yaveh Andriamanitrareo"
DH: "izaho" na "izahay"
Eto, ny "izy" dia manondro ireo fahavalo izay nampidi-doza ny vahoakan'Israely.
DH: "hanosihosy azy ireo ny fahavalony"
Eto, ny "manda" dia manondro ny rindrina manodidina ny tanànan'izy ireo, izay mitondra filaminana sy fandriam-pahalemana amin'ny fahavalo'izy ireo.
DH: "Hanitatra ny faritry ny taninao ho lehibe tokoa Yaveh" na "Hampitombo ny haben'ny fanjakanao tokoa Yaveh"
DH: "Ho foana ireo tany ireo" na "tsy hisy honina ao amin'ireo tany ireo"
Mika dia mivavaka amin'Yaveh, mangataka aminy ny mba hiarovany ny vahoakan'Israely indray. Eto, ny "tsora-kazo" dia manondro ny fitarihan'Andriamanitra sy ny tari-dalany, tahaka ny mpiandry ondry mampiasa rantsan-kazo mba handroany sy hiarovanay ny ondriny.
Ny tian'i Mika holazaina dia ny hoe: monina any amin'ny tany tsy mamokatra ireo vahoaka ary mitoka-monina sy tsy mora amin'izy ireo ny mahazo ny zavatra izay ilainy.
Ireo faritra ireo dia fantatra amin'ny fahatsaràny amin'ny famokarana sakafo. Koa mangataka ny fanitarana ny tany araka izay tratra, izay lasan'ireo mpanafika taona maro lasa i Mika.
Mety ho manondro ny fotoana naha-mpanjaka an'i Solomona io.
Eto, ny "Aho" dia manondro an'i Yaveh.
Io dia mampiseho ny fahafaham-barakan'izy ireo, ary dia tsy afaka mamaly tokoa izy. Jereo ny UDB.
Ireo andian-teny ireo dia miresaka zavatra mitovy. Ny fahavalon'Andriamanitra dia ho afa-baraka tanteraka ary ho avy eo aminy amin-tahotra aorian'ny fahitan'izy ireo ny herin'ny zava-bitany.
Mampiasa io fanontaniana io i Mika mba hanamafisany fa tsy misy hafa mahavita ny zavatra ataon'i Yaveh.
"izahay izay olom-boafidy nosafidinao ho afaka tamin'ny famaizanao"
Eto "Ianao" dia manondro an'Yaveh.
Eto, ny "anay" dia manondro an'i Mika sy ireo vahoakan'Israely.
Io dia midika fa hamela tanteraka ny fahotan'ireo vahoaka Andriamanitra ary tsy hanasazy ireo vahoaka noho ny amin'ireo intsony.
Eto, "Jakoba" sy "Abrahama," izay razamben'ireo firenen'Israely, dia manondro ireo vahoakan'Israely ankehitriny.
Io dia manondro an'i Abrahama sy Jakoba, ary ireo olona hafa izay mety mbola velona tamin'ny fotoana nanaovan'Andriamanitra fianianana tamin'i Israely.
1 Ny fanambarana mahakasika an'i Ninive. Ny bokin'ny fahitan'i Nahoma, ilay Elkosita. 2 Andriamanitra saro-piaro sy mamaly faty Yaveh. Mamaly faty sy feno fahatezerana Yaveh. Mamaly ratsy amin'ireo mpifanandrina aminy Yaveh, ary manohy ny fahatezerany ho an'ny fahavalony Izy. 3 Mahari-po sy lehibe amin'ny heriny Yaveh; tsy hanambara ireo fahavalony ho tsy manan-tsiny velively Izy. Hanao ny lalany ao amin'ny tafio-drivotra Yaveh, ary ny rahona no vovoky ny tongony. 4 Miteny mafy ny ranomasina Izy ka manamaina izany; mandritra ny renirano rehetra Izy. Ketraka i Basana, ary i Karmela ihany koa; malazo ireo voninkazon'i Libanona. 5 Mihovitra amin'ny fanatrehany ireo tendrombohitra, ary mietry ireo havoana; mirodana amin'ny fanatrehany ny tany, eny tokoa, ny tany sy izay olona rehetra monina ao aminy. 6 Iza no hahajoro eo anatrehan'ny fahatezerany? Iza no hahatohitra ny firehetan'ny hatezerany? Miraraka tahaka ny afo ny fahatezerany, novakivakiany ireo vatolampy. 7 Tsara Yaveh, fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana; ary mahatoky amin'izay mialoka aminy Izy. 8 Fa hanapitra tanteraka ireo fahavalony amin'ny tondra-drano manafotra kosa Izy; hanenjika azy ireo any amin'ny haizina Izy. 9 Mitetika inona anoherana an'i Yaveh ianareo ry vahoaka? Hamarana tanteraka izany Izy; tsy hisandratra fanindroany ny fahoriana. 10 Fa ho raiki-tahotra tahaka ny kirihitra tsilo; ho safotry ny zava-pisotrony; ho levon'ny afo tanteraka tahaka ny mololo maina izy ireo. 11 Nisandratra tao aminao, ry Ninive, ny olona izay nikasa zava-dratsy hanoherana an'i Yaveh, dia olona izay namporisika faharatsiana. 12 Izao no lazain'i Yaveh: "Na dia ao amin'ny tanjany tanteraka ary maro isa aza izy ireo, dia ho ringana izy ireo; tsy hisy olony intsony. Fa ianao, ry Joda: Na dia nampahory anao aza Aho, dia tsy hampahory anao intsony Aho. 13 Ary hanapaka ny ziogan'ireo olona ao aminao Aho; hanapaka ireo fatoranao Aho." 14 Efa nanome baiko momba anao Yaveh, ry Ninive: "Tsy hisy intsony ny taranaka hitondra ny anaranao. Hamongotra ireo sarin-javatra voasokitra sy ireo sarin-javatra an-idina amin'ireo tranon'ireo andriamanitrao Aho. Hiady ireo fanasanao Aho, satria tsinontsinona ianao." 15 Indro, eny an-tendrombohitra ny tongotry ny olona izay mitondra vaovao mahafaly, izay manambara fiadanana! Ankalazao ireo firavoravoanareo, ry Joda, ary efao ireo voadinareo, fa tsy handositra anareo intsony ny ratsy fanahy; ringana tanteraka izy.
Soritsoritan'i Nahoma tamin'ny Hay Kanto ny faharavan'i Ninive.
"Hafatra avy amin'Andriamanitra momban'ny tanànan'i Ninive."
Ny olona avy ao amin'ny tenànan'i Elkosa
Ity no anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoakany ao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo hoe ahoana fomba nandikana ny mahakasika an'i Yahveh ao amin'ny fandikan-teny maneran-tany.
Ho tsarain'Yaveh sy ho faiziny ireo fahavalony rehefa tsy mankatoa Azy izy ireo.
"Ny vovoka izay dakan'ny tongony"
Manohy ny fanoritsoritana ny fahefan'Yaveh eo amin'izao tontolo izao i Nahoma.
DH: "Matahotra an'Yaveh ireo tendrombohitra, ireo havoana, ary koa ny tany"
Tahaka ny olona izay matahotra
"Mianjera amin'ny tany amin'ny fatahorana"
Miresaka momban'ny fahefan'Yaveh Nahoma
"Tanjaky ny hatezerany" na "ahavon'ny hatezerany"
Azo adika hoe: "mandatsaka ny fahatezerany tahaka ny afo ary mamaky ireo vatolampy Izy."
Toera-panorenana azo antoka amin'ny fiarovana anohitra ireo fahavalo
Raha manafika ny fahavalo. Azo andikana azy ny hoe: "rehefa mipoitra ireo zavatra ratsy"
Miteny amin'ny vahoakan'i Ninive izay hifanarahan'Yaveh amin'izy ireo.
"Manajanona tanteraka izay ataonao"
DH: "Tsy hanafika anao fanindroany Izy"
Miresaka matotra amin'ireo Israelita momban'ny olon'i Niniveh i Nahoma.
"Manoloana ireo olana maro izay mampahatsiahy azy ireo amin'ny fanafihana"
Hanimba tanteraka an'i Ninive i Yaveh
Namporisika ny olona hanao ireo zavatra ratsy
Niteny tamin'ireo Israelita momban'i Ninive i Yaveh
Ny vahoakan'i Ninive
"Ho ringana izy ireo." Mampiasa ny sary amin'ny fandringanana ireo ondry mba hanehoana ny fanapahana ny miaramilan'i Ninive izy ireo, tahaka ireo ankamaroan'izy ireo. DH: "ho simbaina izy ireo."
DH: "mametraka anao amin'ny famonjena ireo vahoaka ireo"
"Hanapaka ireo fatoranareo toy izay amonjena anareo"
"Olona mitondra vaovao tsara"
Oharin'i Nahoma amin'ireo Ninivita ho toy ny olona iray izy ireo.
Milaza ny hoavy izay tsy maintsy hiseho i Nahoma.
1 Miakatra hanohitra anao ilay hanorotoro anao ho singa maromaro. Mametraha mpiambina eo amin'ny mandan'ny tanàna, ambeno ireo lalana, atanjaho ny tenanareo, angony ireo tafikareo. 2 Fa efa mamerina amin'ny laoniny ny voninahitr'i Jakoba tahaka ny voninahitr'Israely i Yaveh, na dia noravan'ny mpandroba aza izy ireo ary nopotehina ireo sampam-boalobony. 3 Ny ampingan'ireo lehilahy mahery dia mena, ary ireo lehilahy be herim-po miakanjo jaky; manjelatra ny metalin'ireo kalesy amin'ny andro ary efa natao ho vonona izany, ary ny lefona kypreso dia mihevaheva eny amin'ny rivotra. 4 Mirifatra eraky ny lalana ireo kalesy; mifanaretsaka etsy sy eroa eny amin'ny lalam-be izy ireo. Mitovy amin'ny fanilo izy ireo, ary mihazakazaka tahaka ny tselatra. 5 Miantso ireo manam-pahefany ilay hanorotoro anao ho singa; mifamingana eny amin'ny lalany izy ireo; mandeha faingana izy ireo mba hanafika ny mandan'ny tanàna. Novononina ny fiarovana lehibe mba hiaro ireo mpanafika. 6 Ireo vavahady eo amin'ny renirano dia noterena sokafana, ary mirodana ho amin'ny faharavana ny lapa. 7 Nendahina ny akanjon'i Hozaba ary nalaina; mitoloko tahaka ny voromailala sady miteha-tratra ireo mpanompo vaviny. 8 Tahaka ny ranom-parihy mitete i Ninive, ary mandositra toy ny rano mikoriana ny vahoakany. Ny hafa mihiaka hoe: "Mijanòna, mijanòna," nefa tsy misy mitodika. 9 Alaivo babo ny volavotsy, alaivo babo ny volamena, fa tsy hisy fiafarany izany, ho an'ny famirapiratr'ireo zava-tsarobidin'i Ninive rehetra. 10 Foana sy ravarava i Ninive. Ory ny fon'ny olona rehetra, niara-valaketraka ny lohaliky ny olona rehetra, ao amin'ny olona rehetra ny fahoriam-be; hatsatra avokoa ny endrik'izy ireo. 11 Ankehitriny aiza ny lavaky ny liona, ilay toerana izay famahanana ny liona tanora, ilay toerana falehan'ny liona lahy sy vavy, miaraka amin'ireo zanaka liona, izay natahoran'izy ireo na inona na inona? 12 Mamotipotika ireo hazany ho an'ny zanany ny liona; nanakenda ireo hazany ho an'ny liona vavy izy, ary nameno ny zohiny tamin'ireo haza, ny lavany amin'ny sisan-taolana voapotipotika. 13 "Indro, hanohitra anao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. Hodorako ao amin'ny setroka ireo kalesinao, ary handevona ireo liona tanoranao ny sabatra. Ho fongoriko amin'ny taninao ireo babonao, ary tsy ho re intsony ny feon'ireo mpitondra hafatrao."
Manohy ny fanoritsoritana ny faharavan'i Ninive amin'ny hay kanto izay nanomboka tamin'ny 1:1 i Nahoma.
Toy ny olona mamaky vilany ny sary. Azo andikana azy ny hoe: "Izy izay hamotika anareo"
Tsy mazava ny hoe: "olona", fa raha adika amin'ny ankapobeny izany teny izany dia: "Ny olona izay mamakivaky anao ho singa."
Miomana amin'ny ady
"Mametraka fiambenana ho fiarovana amin'ny tanàna" "Mametraka mpiambina amin'ny manda ho fiarovana"
Manalehibe an'i Jakoba sy Israely i Yaveh ny dikany teto, ary mankasitraka azy ireo indray ny olona.
Olona izay mangalatra ireo zavatra amin-kery, matetika amin'ny ady
Nanimba ny zavatra rehetra
Toy ny nambolena hazom-boaloboka ny filazana ny firenena eto. DH: "ary nanongotra ny firenenareo toy ny tanim-boaloboka izy."
Ireo miaramila amin'ny iray "izay manorotoro" an'i Ninive "ho singa" (2:1).
Karazana hazo izay tsara amin'ny fitaovam-piadiana
"Mamily am-pahadalana eny amin'ireo lalàna ireo mpitondra kalesy"
Toy ny famirapiratry ny hazavana avy amin'ny masoandro ny fanoharana ny fahazavana amin'izany kalesy izany.
Adikao mitovy amin'ny nataonao ao amin'ny 2:1 ity.
Ireo mety ho heviny dia: 1) "Hiantso ireo manampahefany" na 2) "ireo eritreritr'ireo manampahefany"
Ireo miaramila izay hanafika an'i Ninive
"Handeanan'izy ireo"
Azo antoka fa ity anarana ity dia anaran'ny mpanjakan'ny Asyria na anaran'ny sampin'ny Asyria. Ny andalan-teny dia midika fa hanendaka ireo akanjony ireo miaramila nanafika azy mba hanalam-baraka azy raha oharina amin'ny mpanjaka izany . Fa raha oharina amin'ny sampy, ny andian-teny dia midika ho ireo mpanafika hanendaka ny volamena sy volafotsy eo amin'ny sary.
"Ireo mpanompo vavin'ny mpanjaka dia tahaka ireo voromailala izay mitoloka izy ireo" izay mampalahelo azy amin'ny fahaverezan'ny fahefana "tahaka ny feon'ny voromailala izay mitoloko ireo mpanompo vavin'ny mpanjaka" malahelo ny fahaverezan'ny fahefany
Ireo zavatra alaina an-keriny, matetika eny amin'ny ady.
Fomba ahafahana milaza ny zavatra amin'ny tendrombohitra lehibe. Azo andikana azy koa ny hoe: "tendrombohitra lehibe no aminy"
Ireo mety ho heviny: 1) "famelana ireo zavatra rehetra mahafatifaty" na 2) "lanjan'ireo zavatra mahafatifaty rehetra"
"Very ny fahasahian'ny vahoaka"
Ampitahana amin'ny lavaky ny liona i Ninive satria toerana iainan'ireo mpamono olona izy ary toerana izay hitondran'izy ireo miverina amin'izay nangalariny avy amin'ny vahoaka novonoiny.
"nangeja." Misambotra ireo hazany mba hanaka ireo amin'ny fifohana rivotra.
Milaza zavatra mitovy ireto andian-teny roa ireto. Ny lavaky ny liona, toeram-piafenany, izay ao anaty lavaka.
"Mazava izany"
"ho faty amin'ny herisetra mafy ireo miaramilanao"
"ireo miaramila mitana sabatra"
"mihinana ny rehetra amin'ny"
"Ny lehilahy mahery indrindranao"
Ny teny hoe: "babo" dia oharina amin'ny harena azon'i Ninive ary entina any amin'ireo tany hafa. Izany dia midika fa ho ravan'Yaveh ny fahazaran'i Ninive mangalatra amin'ireo firenena hafa.
1 Loza ho an'ny tanàna feno rà! Feno lainga sy fananana halatra avokoa izany; ao aminy mandrakariva ireo babo. 2 Fa ankehitriny dia misy feon'ny karavasy sy ny feon'ny firodorodon'ireo kodiarana, fikatrokatrok'ireo soavaly, ary ny firaondraon'ireo kalesy. 3 Misy fanafihan'ireo mpitaingin-tsoavaly, tselatry ny sabatra, famirapiratry ny lefona, korotam-paty, faty mitandahatra. Tsy misy fiafarany ireo faty; voafingana eo ambonin'izy ireo ny mpanafika azy. 4 Mitranga izany noho ny filàn'ny janga tsara tarehy, ilay matihanina amin'ny sikidy, izay mivarotra firenena amin'ny alalan'ny fivarotan-tenany, ary ny vahoaka amin'ny alalan'ny fanaovany sikidy. 5 "Indro, hamely anao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro—hanainga ny lambanao eo amin'ny tavanao Aho ary hampiseho ireo faritra mamoafadinao amin'ireo firenena, ny henatrao amin'ireo fanjakana. 6 Hanipy fahalotoana maharikoriko aminao Aho ary hanao anao ho ratsy; hataoko ho olona fijerijeren'ny olon-drehetra ianao. 7 Ary ny olona rehetra izay mijery anao dia handositra anao ary hiteny hoe: "Rava i Ninive; iza no mba hitomany azy?" aiza no ahitako olona hankahery anao?" 8 Ry Ninive, moa ve ianao tsara noho i Teba, izay naorina eo amin'ny Renirano Neily, izay nisy rano manodidina azy, ka ranomasimbe no arony, ny ranomasina ihany no mandany? 9 Etiopia sy Egypta no tanjany, ary tsy nisy fiafarany ny amin'izany; Pota sy Lybia no mpiara-miady taminy. 10 Kanefa nentina i Teba; lasa any amin'ny fahababoana izy; voatorotoro teny an-dohan'ny lalana ireo zanany tanora; nanipy filokana ho an'ireo lehilahy manam-boninahiny ireo fahavalony, ary voafatotra tamin'ireo rojo vy ireo lehilahiny mahery. 11 Ho tonga mamo ihany koa ianao; hiezaka hiafina ianao, ary hitady fialofana amin'ireo fahavalonao ihany koa ianao. 12 Ireo fiarovanao mafy dia ho tahaka ireo hazon'aviavy miaraka amin'ny aviavy masaka alohan'ny fotoana: raha ahozongozona izy ireo, dia hihintsana ao am-bavan'ny mpihinana. 13 Indro, ny vahoaka ao aminao dia vehivavy; ireo vavahadin'ny taninao dia nosokafana midanadana ho an'ireo fahavalonao; nandevona ny hidiny ny afo. 14 Mandehana matsaka rano ho amin'ny fahirano; hamafiso ireo fiarovanao mafinao; mandehana amin'ny tanimanga ary hosihoseo ny feta; alaivo ho an'ireo biriky ny tavy. 15 Handevona anao any ny afo, ary handringana anao ny sabatra. Handevona anao tahaka ny fandevonan'ny valala ny zava-drehetra izany. Ataovy maro an'isa tahaka ireo valala vao ny tenanareo, dia ho maro tahaka ireo valala. 16 Nampitombo ireo mpandrantonao mihoatra ny kintana eny amin'ny lanitra ianao; nefa tahaka ny valala vao izy ireny: mandroba ny tany izy ireo ka avy eo dia lasa manidina. 17 Maro tahaka ireo valala ny andriandahinao, ary ny jeneralinao dia tahaka ny andian'izy ireo izay mitoby ao amin'ireo manda amin'ny andro mangatsiaka. Fa rehefa miposaka ny masoandro dia manidina any amin'ny toerana tsy fantatr'olona ireo. 18 Ry Mpanjakan'i Asyria, resin-tory ireo mpiandry ondrinao; mandry amin'ny fitsaharany ireo mpanapakao. Niely eny an-tendrombohitra ny olonao, ary tsy misy na iza na iza hanangona azy ireo. 19 Tsy hisy fanasitranana azo atao ho an'ireo ratranao. Mafy loatra ireo ratranao. Izay rehetra maheno ny vaovao mahakasika anao dia hiteha-pifaliana eo aminao. Iza no afa-nandositra ny faharatsianao mitandavana?
Manohy ny fanoritsoritana ny faharavan'i Ninive amin'ny Hay Kanto izay nanomboka tamin'ny 1:1 i Nahoma.
Namono olona maro ireo miaramilan'i Ninive. Azo andikana azy ny hoe: "tanàna tompon'andraikitra amin'ireo famonoana olona maro"
Hamafisin'ny mpanoratra lalina ny famonoana nataon'ny Ninive nandritra ny fotoana telo.
vatan'ny olona izay efa maty
"Ny habetsahan'ireo faty"
Toy ny fivarotan'ireo janga ny vatana ho amin'ny fahafinaretana sy hivarotan'ireo mpamosavy ny fahalalana ary fahefana nananan'ny mpilalao ody, Mivarotra olona izay azon'izy ireo amin'ny ady ary akany tombony amin'ny fahotany ny vahoaka'ny Ninive.
Ilaina amin'ny fakana manokana izay ho any manaraka ity teny ity.
Azo andikana azy ny hoe: "tsy hisy hitomany azy," ary tsy afaka ny handefa olona hampangina azy Aho."
Miresaka ny vahoakan'i Ninive ho toy ny tanàn'izy ireo i Nahoma.
DH: "tsy tsara noho i Teba ianao ... mandany."
renivohitr'i Egypta, izay babon'ny Asyriana
Mitovy hevitra ireo andian-teny roa ireo. Ny teny hoe: "ranomasimbe" sy "ranomasina" dia oharina amin'ny reniranon'i Neily izay mikoriana eo akaikin'ny tanàna ary sarotra tafihana.
Ireo tanàna taloha dia nanorina "manda" mba hanaovana ny mpanafika any ivelany, ary amin'ny "aro" dia manao ireo mpanafika ao anatin'ny manda.
Nahoma dia milaza amin'ny vahoakan'i Ninive ho toy ny tanànany izy ireo.
Manohy ny fampitahana an'i Ninive sy Teba ao amin'ny 3:8 izany. Ireo mety ho heviny dia "na dia izany aza" (UDB) na "na izany aza"
renivohitr'i Egypta, izay babon'i Asyriana
Teba.
Namono ny ankizy tahaka ny namakiana ny vilany tanimanga ireo mpitsoakan'i Teba.
mametraka amin'ny fanandevozana. DH: "tonga andevo"
Nahoma dia milaza amin'ny vahoakan'i Ninive ho toy ny tanànany izy ireo.
Ity teny ity, izay afaka nadika koa hoe: "fiarovana mafy" ireo oharina amin'ny Ninive rehetra sy ny fanjakana Asyriana.
Mora tahaka ny voankazo avy amin'ny hazo ny tananàn'i Ninive.
"tsy manan-kery sy tsy afaka miaro-tena ny vahoakanao"
zavatra lava vita amin'ny hazo izay hatao bara amin'ny vavahady ary tsy namela azy nisokatra amin'ny ivelan'ny tanàna. Manao izay mety mba hanidiana indray ny tanàna.
Nahoma dia milaza amin'ny vahoakan'i Ninive ho toy ny tanànany izy ireo.
Hanimba toy ny valala handevona ny zavatra amin'ny hitsiny izy.
ny "afo" sy "sabatra"
valala maro - "Mampitombo ny tenanareo tahaka ny valala vao! Ampitomboy tahaka ny valala lehibe ny tenanareo!" Mety fanomboana andalan-teny vaovao ireto teny ireto.
Te ho lasa tanàn-dehibe amin'ny vahoaka maro sy hanimba tany maro izy ireo.
Nahoma dia milaza amin'ny vahoakan'i Ninive ho toy ny tanànany izy ireo.
Tsy ho voaisa toy ny kintana amin'ny lanitra ireo mpandranton'ny Ninive. DH: "manana mpandranto maro tsy hita isa intsony ianao.
"ireo varotra" na "ireo izay mividy ary mivarotra ireo zavatra"
teny ampiasaina amin'ny politika midika hoe "ireo mpitarika" (UDB).
Ampiasaina amin'ny miaramila n "ireo mpitarika" na ireo governora manam-pahefana hafa ny teny hoe miaramila.
"Ireo mpiandry ondry" eto dia tahaka ireo governoran'ny vahoakan'ny Asyriana
DH: "Ny mety fihetsika ratsinao dia mandrantra olona maro sy ireo firenena."
1 Ny hafatra izay noraisin'i Habakoka mpaminany: 2 "Ry Yaveh, mandra-pahoviana no hiantsoako vonjy, ka tsy hihaino Ianao? Niantso mafy Anao tao anatin'ny horohoro aho hoe: "Herisetra!" nefa tsy hamonjy ahy Ianao. 3 Nahoana no ataonao mahita heloka aho ary mahita ny fanaovan-dratsy? Fandravana sy herisetra no eo anoloako; misy fifandirana, ary fanangana fifanjevona. 4 Noho izany dia tsy nanankery ny lalàna, ary tsy naharitra tamin'ny fotoana rehetra ny rariny. Fa niodidina ny fahamarinana ny ratsy fanahy; koa dia mivoaka ny rariny diso." Mamaly an'i Habakoka Yaveh 5 "Jereo ireo firenena ka hadihadio izy ireo; aoka ho gaga sy ho talanjona! Fa efa hanao zavatra tokoa Aho amin'ireo andronareo izay tsy hinoanareo rehefa taterina aminareo izany. 6 Fa indro! Hanandratra ireo Kaldeana Aho—ilay firenena masiaka sy maherisetra—manao diabe manerana ny sakan'ny tany mba hambabo ireo trano izay tsy azy ireo izy. 7 Mampihorohoro sy mampatahotra izy ireo; avy amin'ny tenan'izy ireo ny fitsarany sy ny famirapiratany. 8 Ireo soavaliny ihany koa dia haingam-pandeha noho ny leoparda, mailaka noho ny ambodian'ny alina. Koa miriotra ny soavalin'izy ireo, ary avy any lavitra tokoa ny mpitaingin-tsoavalin'izy ireo_manidina tahaka ny voromahery maika hihinana izy ireo. 9 Tonga noho ny herisetra avokoa izy rehetra; mandeha tahaka ny rivotra any an'efitra ny vahoaka maron'izy ireo, ary manangona ireo tratra babo tahaka ny fasika izy ireo. [1]10 Koa naniratsira ireo mpanjaka izy ireo, ary ireo mpanapaka dia fihomehezana ho azy ireo fotsiny ihany. Nihomehy ny fiarovana mafy rehetra izy ireo, satria nanasavovona tany izy ireo ary nisambotra azy ireo. 11 Dia ho avy ny rivotra; handalo izany—olo-meloka, ireo izay heriny no andriamanitr'izy ireo." Mametraka fanontaniana hafa amin'i Yaveh i Habakoka. 12 "Moa ve tsy avy amin'ny fotoana fahiny Ianao, ry Yaveh Andriamanitro, ilay Iray Masiko? Tsy ho faty izahay. Efa nanendry azy ireo hotsaraina Yaveh, ary Ianao, ry Vatolampy, no efa nametraka azy ireo ho ahitsy. 13 Madio loatra ny masonao raha handinika ny ratsy, ary tsy afaka ny hijery amin-tsitraka ny fanaovan-dratsy Ianao; koa nahoana ary no nanao fijery tsara ireo izay mamadika Ianao? Nahoana no mangina Ianao raha mitelina ireo marina kokoa noho izy ireo ny ratsy fanahy? 14 Nataonao tahaka ny hazandrano ao an-dranomasina ny olona, tahaka ireo zavatra mandady tsy misy mpanapaka azy. 15 Mampiakatra azy rehetra amin'ny fitana izy ireo; misintona olona ao amin'ny haraton-trondro izy ireo ary manangona ireo ao amin'ny haratony. Izany ny antony hifalian'izy ireo sy hihikany fatratra. 16 Noho izany dia nanao sorona ho an'ireo haraton-trondrony izy ireo ary nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo haratony, fa bibi-dia matavy no anjaran'izy ireo, ary hena matavy no sakafony. 17 Moa ve hanafoana ny haratony izy ireo ary hanohy hamono ireo firenena, tsy mahatsapa fangoraham-po?"
Manoritsoritra ny fiandohan'ny toko roa amin'ny boky ireo teny ireo. Mitaky fehezanteny feno eto ny fiteninareo hoe: "Izany no hafatra izay noraisin'i Habakoka mpaminany avy amin'Andriamanitra."
Io no anaran'Andriamanitra izay nambara tamin'ireo vahoaka tao amin'ny Testamenta taloha. Jereo ny fomba nandikana ny mahakasika an'i Yahveh ao amin'ny fandikan-teny maneran-tany.
DH: "Efa mitomany fanampiana mandritra ny fotoana maharitra aho, nefa na izany aza tsy nihaino ahy Ianao!"
Nanohy ny vavany tamin'Andriamanitra i Habakoka.
"Manakaiky ny ady eo amin'ny samy olona"
Izany hoe ampijalian'ny tsy rariny ny olona marina satria 1) "manam-pahefana kokoa noho ny olo-marina ny olon-dratsy" na 2) "betsaka koakoa noho ny olo-marina ny olon-dratsy."
DH: "hiseho anoloan'ny rariny ny ratsy" na "mitombo ny tsy rariny"
Mamaly ny vavak'i Habakoka i Yaveh.
"Ianaro izay miseho teo amin'ireo firenena hafa"
Afaka adika hoe: "1) na aiza na aiza ao Joda na 2) na aiza na aiza eto amin'izao tontolo izao.
Haka an-keriny na hangalatra amin'ny olo-marina
"Trano"
Ireo miaramilan'i Kaldeana. Hasandratr'Andriamanitra ny firenena Kaldeana, ary hanafika an'i Joda ireo miaramilan'ny Kaldeana.
Mitovy ihany ny hevitrireo teny hoe: "mampihorohoro" sy "mampatahotra" amin'ny ankapobeany ary manasongadina ny tena tahotry ny sasany izy ireo. DH: "Mampitahotra mafy ireo hafa izy ireo."
"Hoavy"
Ireo soavalin'ireo miaramila Kaldeana
Aorian'ny fihazana amin'ny alina rehefa noana mafy izy ireo satria tsy nisakafo nandritra ny tontolo andro izy ireo dia haingam-pandeha noho ny ambodia masiaka ny soavalin'ny Kaldeana rehefa nampitahana.
Ireo miaramila Keldeana mitaingina soavaly.
Lehibe, saka haingam-pandeha
"Manidina haingana tahaka ny voromahery ny mpitaingina ny soavaly"
Betsaka ireo Kaldeana, ary tahaka ny voa amin'ny fasika no ihotazan'ny rivotra azy amin'ny tafiotra ka betsaka ihany koa raha isaina, nefa tsisy afaka ny anisa ny vahoaka izay babo sy ireo gadran'izy ireo na dia iray aza.
Manohy ny famariparitana ireo miaramila Kaldeana i Yaveh.
Oharina amin'ny rivotra izay mifafy amin'ny faritra iray sy ireo manohy izany aingana amin'ny toerana manaraka ny tafik'i Kaldeana.
Miresaka momban'ireo miaramila Kaldeana tamin'Yaveh i Habakoka.
DH: "mandrakizay Ianao, Andriamanitro Yaveh, ilay Iray Masiko."
Ireo Kaldeana
Ny mpiharo an'Israely
"Efa tanjon'Israely ny anamafy orina ny fanitsiana azy ireo"
Nanohy niresaka momban'ireo miaramila Kaldeana tamin'Yaveh i Habakoka.
"Ireo Kaldeana, izay mahatoky na dia iray aza"
"manimba" (UDB)
Mamoaka hevitra mitovy ireto andian-teny roa ireto izay nilazan'Andriamanitra tamin'ireo Kaldeana ny hitondrana ireo Israelita tahaka ny zavaboary tsy misy dikany, ary tsy tahaka ny tokony hitondrana ireo vahoaka.
Nanohy niresaka momban'ireo miaramila Kaldeana tamin'Yaveh i Habakoka.
Fitaovana nampiasaina hakana trondro
Fitaovana nampiasaina hakana "ireo zavatra mandady" (1:13)
Azo andikana azy ny hoe: "fizara ho sakafo ireo biby tsara indrindra sy tsara hena"
Apahany kely amin'ny zavatra lehibe no nozaraina tamin'ireo olona maro
Fohanan'ny mpanjono ny haratony mba ahafahany manarato indray sy akana trondro maro.
1 Hitsangana eo amin'ny fiambenako aho ary hampijanona ny tenako eo amin'ny tilikambo fiambenana, ary hijery tsara aho mba hahita izay holazainy amiko sy ny fomba hialako amin'ny fitarainako. [1]2 Namaly ahy Yaveh ary nilaza hoe: "Raketo izao fahitana izao, ary soraty mazava eo amin'ireo vato fisaka ka izay rehetra mamaky azy dia ho afaka hamaky azy ireo mora foana. 3 Fa ho avy amin'ny fotoana ny fahitana ary hitranga ihany amin'ny farany fa tsy ho foana. Na dia tara aza izany, dia andraso. Fa tsy maintsy ho tonga izany ary tsy hitaredretra. 4 Indro! Izay manam-paniriana tsy marina ao anatiny dia mieboebo. Fa ny olo-marina dia ho velona noho ny finoany. 5 Fa ny divay dia mpamadika ny zatovolahy mpiavonavona mba tsy hitoerany, fa hanitatra ny faniriany toy ny fasana, ary toy ny maty, izay tsy mety afa-po mihintsy. Angoniny ho azy ny firenena rehetra ary hangoniny ho azy ny vahoaka rehetra. 6 Tsy hamorona fomba fiteny hanesoana azy ary hira fanesoana momba azy ve izany rehetra izany, ka hanao hoe: "Loza ho an'izay mampitombo ny tsy azy! Fa mandra-pahoviana no hampitomboanao ny lanjan'ny antoka izay nalainao?" 7 Tsy hitsangana tampoka ve ireo izay manaikitra anao, ary hifoha ireo izay mampihorohoro anao? ho tonga lasibatra ho azy ireo ianao. 8 Satria ianao nandroba vahoaka maro, ny vahoaka sisa rehetra dia handroba anao. Fa nandatsa-drà olombelona ianao ary nanao herisetra tamin'ny tany, sy ireo tanàna, ary ireo rehetra izay monina ao amin'ireo. 9 "Loza ho an'izay fatra-pila harena amin'ny fanaovan-dratsy ho tombony ho an'ny ankohonany, mba hahafahany manorina ny akaniny amin'ny ambony mba hiarovany ny tenany eny ampelantanan'ny ratsy." 10 Nizara fahamenarana ho an'ireo ankohonanao ianao tamin'ny nandringananao olona maro, ka nanota tamin'ny tenanao. 11 Fa hihiaka avy eo amin'ny manda ireo vato, ary ireo vatan-kazo no hamaly azy ireo, 12 "Loza ho an'izay manangana tanàna amin'ny rà, ary izay manorina tanàn-dehibe amin'ny heloka." 13 Tsy avy amin'i Yaveh Tompon'ny maro ve no hiasan'ireo vahoaka amin'ny afo sy ny hisasaran'ireo firenena amin'ny zava-poana? 14 Kanefa ny tany dia ho feno fahalalana ny voninahitr'i Yaveh tahaka ny rano mandrakotra ny ranomasina. 15 "Loza ho an'izay mampisotro ny mpiara-monina aminy, ianao izay manisy ny poizinao mandra-pahamamonao azy ireo mba ahafahanao mijery ny fitanjahan'izy ireo." 16 Ho feno fahamenarana ianao fa tsy voninahitra. Hisotro amin'izany ihany koa, ary hampiseho ny fitanjahanao. Hiverina hitodika aminao ny kapoakan'Yaveh eo an-tanany ankavanana, ary hanarona ny voninahitrao ny fahafaham-baraka. 17 Ny herisetra natao an'i Libanona hanafotra anao ary hampihorohoro anao ny faharavan'ireo biby. Fa nandatsa-drà olona ianao ka nanao herisetra tamin'ny tany, ireo tanàna, sy izay rehetra monina ao amin'ireny. 18 Inona no tombontsoanao amin'ny sary sokitra? Fa izay nisokitra izany, na izay manao sarin-javatra an'idina amin'ny vy, dia mpampianatra lainga; fa matoky ny asa-tanany ihany izy rehefa manamboatra ireo andriamanitra moana ireo. 19 "Loza ho an'izay miteny amin'ny hazo hoe: Mifohaza!" na amin'ny vato mangina hoe: "Mitsangàna" moa mampianatra ve ireo zavatra ireo? indro, voapetaka volamena sy volafotsy izany, kanefa tsy misy fofon'aina akory amin'izany. 20 Fa Yaveh dia ao an-tempoliny masina! Manginà eo anatrehany, ry tany rehetra."
Habakoka
Yaveh
Milaza zavatra mitovy ireo andian-teny roa ireo. "Afaka mitsangana eo amin'ny fitoerako amin'ny tilikambo aho." Nampiasain'i Habakoka ireo andian-teny ireo mba hampitahany ny tenany izay miandry ny handre momba ireo miaramila izay mitsangana miandry eo amin'ny tilikambo avy amin'Andriamanitra.
Ny teny hoe: "hialako" dia milaza ny hanovana ny fomba fisainana ho amin'ny zanatra hafa. DH: "Afaka tsy mitaraina intsony aho ary hitovy hevitra amiin'Andriamanitra."
Valian'Yaveh i Habakoka.
Samy milaza zavatra mitovy ireo andian-teny ireo amin'ny fijery roa samihafa. Azo andikana azy ny hoe: "Soraty mazava amin'ny vato fisaka ny momban'Andriamanitra izay nolazaina aminao"
Singam-bato fisaka na tanimanga izay ampiasaina amin'ny fanoratana izany.
Afaka adika hoe 1) mora amin'ny olona ny mamaky azy amin'ny vato fisaka ary mamaky ireo amin'ny vahoaka na 2) ho mora amin'ny olona izay mamaky izany ny mamaky azy amin'izy ireo
Hitranga sy hihatra izay voasoratra
Ireo mety ho heviny dia: 1) "ary tsy miandry" na 2) "ary tsy tonga miadana"
Nanohy ny hamaly an'i Habakoka i Yaveh.
Ny teny hoe: "Indro!" eto dia manasongakina izay mety ho arahina.
Niteny tamin'i Kaladiana i Yaveh fa ho olona iray izy ireo.
Milaza zavatra tsy mitovy izany raha amin'ny fijery hafa. "Ho angoniny ny olona rehetra avy any amin'ny firenena samihafa". Ny hoe "Izy" dia oharina amin'ny Kaladeana na olona iray ihany izy ireo.
"Ireo manangona"
Isa alavitra indrindra
Nanohy mamaly an'i Habakoka i Yaveh. Nohariny ho olona iray amin'ireo Kaladiana izy.
"Amin'ny fotoana tsy ahafahanao maka antoka avy amin'ny olona." Mety midika izany fa 1) tahaka ny mpandroba ny Kaldiana izay mikatsaka ny hanery ny olona sasany hanao sonia ny antony na 2) nofoanan'Yaveh ny kaonty izay nangalaran'ireo Kaldeana ary ho takiana ny andoavana izany mba hamerenany.
Fampanantenana an-tsoratra amin'ny fandoavana izay ho trosa, efa napetraka ho soratra.
Nanontany ny hevitry ny Kaldiana izay ho valiny ity fanontaniana ity. "Ny iray izay tezitra amin'izay tonga honohitra anao, ny iray izay atahoranao honafika anao"
Tokony handoha amin'izy ireo izay mana trosa amin'azy ireo. Kanefa, raha amin'ny dikan-teny taty aoriana dia heverina mpampindrana fa tsy trosa izany andian-teny izany.
Oharina ho trosa mitovy izany. Mampihorohoro ny Kaldeana izy ireo fa hanafika azy ireo amin'ny famaliana faty izay naneren'ireo azy andoa trosa ananan'izy ireo.
"lasa mihamaro" na "lasa mihamavitrika"
Nangalatra na naka amin-kery.
Nanoy namaly an'i Habakoka i Yaveh. Nohariny ho olona iray amin'ireo Kaladiana izy.
"Izay miasa tsy am-pahamendrehana mba ho tombony ho an'ny fianakaviany"
"Manorina ny tranony ho lavitry ny korontana"
DH: "ampelatanan'ny ratsy," hatao "ratsy" tahaka ny olona na "olon-dratsy"
"Satria nandringana olona maro ianao, dia hijaly ny fianakavianao"
Tokana
Manimba
"Mandratra ny tenanao"
Maneho ny olona voaratra amin'ny fanamboarana trano ny "vato" sy ny "vata-kazo", maneho ny olona voaratran'ireo Kaladeana izay miverina.
Miapanga amin'Andriamanitra hanohitra ny mpanangana trano
Miaiky amin'ireo fiapangana
Nanoy namaly an'i Habakoka i Yaveh. Nohariny ho olona iray amin'ireo Kaladiana izy.
Milaza zavatra mitovy ireo andian-teny ireo amin'ny fijery roa samihafa. Azo andikana azy ny hoe: "Fampitandremana ny Kaldeana izay manorina tanàna amin'izay nangalarina avy amin'ny olona novonoin'izy ireo"
Avy amin'ny famonoana olona. Azo andikana azy ny hoe: "ny iray izay mamono olona sy mangalatra ireo tsara mba hananganana tanàna."
"Ireo izay malaza amin'ny toetra ratsy ao "an-tanab_dehibe." Manorina ireo tanànany mba ahafahany mangalatra amin'ny olona novoinoiny izy ireo.
Andriamanitra no niandohan'ny faharavan'izay naoron'ny olona. Voalaza amin'ny hevitra roa samihafa izany mba hampazava tsara ny dikany. Azo andikana azy ny hoe: "Yaveh irery no fiandohan'ny asa mafin'ny olona amin'ny fananganana mba ho simbaina amin'ny afo ary tsy mamokatra na inona na inona."
Nanoy namaly an'i Habakoka i Yaveh. Nohariny ho olona iray amin'ireo Kaldeana izy.
"Manisy ny poizinao amin'ny zava-pisotron'ireo"
"Tahaka ny nitadiavanao ny voninahi-dehibe, hitondran'Andriamanitra fahamenarana lehibe ho anareo"
Tokana
"Misotro amin'ny kaopy voapoizina"
"Tahaka an'i Yaveh nanafay ireo firenena sasany amin'ny fahefany manontolo, hamaizany anao amin'ny fahefany rehetra"
"Tovay voapoizina"
Ny tanana mahery
"Hanantona anao tahaka izay nataona amin'ny hafa"
"Ho hitan'ny olona ny fahafaham-barakanao ary tsy ho hitan'ny olona ny voninahitrao"
Nanohy niteny ny amin'ny famaizana ireo Kaladiana i Andriamanitra
"Mampatahotra anao ny henam-biby"
Oharina amin'ireo Kaladiana ny teny hoe: "ianareo"
Izany dia dingana amin'ny fanamboarana sarivongana voasokitra vita amin'ny vy mitsiranoka amin'ny endrika izay ilàna azy. Mahazo endrika tsara ary manamafy ny sary na ny sarivongana ny vy.
Teny ilazana ny vy rehefa izy mitsiranoka iny.
Oharina amin'izay manao sarin-javatra voasokitra ity andian-teny ity. Amin'ny fanaovana andriamanitra diso, mampianatra lainga izy.
1 Ny vavak'i Habakoka mpaminany: [1]2 Ry Yaveh, efa reko ny tatitrao, ary raiki-tahotra aho. Ry Yaveh, velomy eo afovoan'ireo fotoana ireo ny asanao; hampahafantaro eo afovoan'ireo fotoana ireo izany; tadidio ny hanana famindram-po amin'ny fahaviniranao. 3 Tonga avy any Temana Andriamanitra, ary Ilay Masina avy any an-Tendrombohitr'i Parana. Sela. Manarona ny lanitra ny voninahiny, ary ny tany feno ny fiderany. 4 Ireo taratra roan'ny tanany dia mamirapiratra tahaka ny tselatra, izay niafenan'ny heriny. 5 Aretina mahafaty no nandeha teo anoloany, ary areti-mandringana no nanaraka ny tongony. 6 Nitsangana Izy ka nandrefy ny tany; nijery Izy ka nanozongozona ireo firenena. Na dia ireo tendrombohitra maharitra mandrakizay aza torotoro, ary nietry ny havoana tsy manam-pahataperana. Tsy manam-pahataperana ny lalany. 7 Nahita ireo lain'i Kosana azom-pahoriana aho, ary ny fanamboarana ny lamban'ireo lay tany amin'ny tanin'ny Midiana nihovitrovitra. 8 Tezitra tamin'ireo ony ve Yaveh? Moa ny fahaviniranao ve tamin'ireo ony, na ny fahatezeranao tamin'ireo ranomasina, rehefa nitaingina ireo soavalinao ianao sy ireo kalesim-pandresenao? 9 Nitondra ny tsipìkanao tsy niaraka tamin'ny fitoerany ianao; nametraka zana-tsipìka tamin'ny tsipìkanao ianao! Sela. Nizara ny tany tamin'ireo ony Ianao. 10 Nahita anao ireo tendrombohitra ka nanaintaina. Oram-be mivatravatra no nandalo teo amin'izy ireo; nanandratra hiaka ny ranomasina lalina. Nampiakatra ireo onjany izany. 11 Ny masoandro sy ny volana nitoetra teo ambony teo amin'ireo fitoerany avo tamin'ny hazavan'ny zana-tsipìkanao ka nandositra izy ireo, tamin'ny famirapiratan'ny tara-pahazavan'ny lefonao. 12 Nandeha namakivaky ny tany tamim-pahatezerana Ianao. Tamin'ny fahavinirana no nanosihosenao ireo firenena. 13 Nivoaka ho amin'ny famonjena ny vahoakanao ianao, ho amin'ny famonjena ilay voahositrao. Manorotoro ny lohan'ny ankohonan'ny ratsy fanahy mba hampiharihary ny fototry ny hatony. Sela 14 Notrobaranao tamin'ny zana-tsipìkany ihany ny lohan'ireo mpiadiny raha avy toy ny tafiotra hanely anay izy ireo, ny fifalian'izy ireo dia toy ny an'izay mandevona ny mahantra any amin'ny toerana miafina. 15 Efa nandeha namakivaky ny ranomasina tamin'ny soavalinao ianao, ary nampisavovona ireo rano be. 16 Nandre aho, ary nihorohoro ny tao anatiko! Nipararetra tamin'ny feo ny molotro. Tonga tamin'ny taolako ny fahalovana, ary nangovitra ny tenako raha niandry amim-pahanginana ny androm-pahoriana hiavian'ireo olona izay handroba anay. 17 Na dia tsy mamontsina aza ny hazon'aviavy ary tsy misy vokatra ny tahom-boaloboka; ary na dia mandiso fanantenana aza ny hazo oliva ary tsy mamokatra hanina ireo saha; ary na dia haringana aza ny ondry ao am-bala ary tsy misy biby fiompy ao am-pihinanana, dia izao no hataoko. 18 Mbola hiravoravo ao amin'i Yaveh aho. Hifaly aho noho ny famonjen'Andriamanitra ahy. 19 Ny Tompo Yaveh no heriko ary manao ny tongotro tahaka ny an'ny diera Izy. Mampandroso ahy any amin'ireo toerako avo Izy. —Ho an'ny lehiben'ny mpihira, amin'ny fitaovan-dokangako.
Mety midika hoe: 1) "Reko miresaka momba izay haiko ny olona" na 2) "Reko izay notenenina."
"Hoento miverina amin'ny fiainana ny asanareo" na "ataovy indray izay nataonareo taloha"
"Ataovy fantatra ny asanareo"
Nanoy ny fanoritsoritana ny fahitany avy amin'i Yaveh i Habakoka.
Tsipi-pahazavana izay avy amin'ny nipoiran'ny fahazavana tahaka ny masoandro ireo.
Yaveh
Nanohy fanoritsoritana ny fahitany amin'ny Yaveh i Habakoka.
Mety midika hoe 1) nohadihadiana teny rehetra teny mba hambaboana azy mialohan'ny hitsinjarana izany any amin'ny governora izy na 2) nataony maina izy.
"Tendrombohitra izay efa nisy tany am-piandohan'ny fotoana ... Havoana izay misy hatramin'ny fiafaran'ny fotoana." Raha tsy misy fahasamihafany ireo fitenenanareo ireo amin'ny "havoana" sy "tendrombohitra" na amin'ny "mandrakizay" sy "tsy manam-pahataperana," afaka adikanao toy nataonareo ao amin'ny ULB.
Amin'ny mpiankohoka amin'Andriamanitra. "Nofongarina tamin'ny tany"
Nanohy fanoritsoritana ny fahitany amin'ny Yaveh i Habakoka.
Ny vahoakan'i Midiana sy Kosana izay nanozongozona na niery amin'ny tahotra toy ny trano-lay lamba izay mihetsika rehefa misy rivotra mifafy.
Mety midika hoe: "1) anaran'ny andian'olona tsy fanta-piaviana na 2) mitovy an'i Kosa.
Raha tsy mahay manavaka ny teny hoe: "tezitra" sy "vinitra" ary "romotra" ny fiteninareo, afaka atambatrareo ho "Tezitra amin'ny renireno ve i Yaveh? romotra amin'ny ranomasina ve ianareo ... ireo kalesim-pandresena.?" DH: "tsy tezitra tamin'ny renirano i Yaveh. Tsy vinitra hanohitra ireo renirano i Yaveh, na tsy romotra hanoitra ny ranomasina ... ireo kalesim-pandresena."
Tahaka ny miaramila te hitaingina soavaly na kalesy amin'ny fiadiana, tonga mba hanavotra ny vahoakan'Israely i Yaveh.
Midika "mijanona sy mitaratra" na "asandrato, hanandratra" izany teny izany.
Nozarain'Andriamanitra ny tany, nifindra ny tendrombohitra, tahaka ny nahitana ny fihetsik'Andriamanitra sy nihodinany teny ho eny amin'izay tany voazara.
Ny halavan'ny feon'onjan-dranomasina
Rano miakatra ambony
Nanohy fanoritsoritana ny fahitany amin'ny Yaveh i Habakoka.
Satria ny famirapiratan'Yaveh amin'ny zana-tsipikan'ny fahazavana
Mitovy hevitra ireo fehezanteny roa ireo. Oharin'Yaveh ho famaizana ny amin'ny faharatsiany izy ireo.
Manao zavatra izay mahatezitra
Manoritsoritra an'i Yaveh i Habakoka.
Izany dia midika ihany koa hoe: "Mesianareo," fa mazava fa "ny olonareo," ka mampiasa anarana iombonana eto fa tsy anarana samy irery.
"Hanimba tanteraka ny mpitarika ami'ny olon-dratsy ianao"
Soritsoritan'i Habakoka ny nanimban'Yaveh an'ireo Kaladiana.
Toy ny fanafian'ny olon'Israely dia nampitahana amin'ny fahatongavan'ny tafiotra matetika ny fahefana sy hakingan'ireo Kaldeana.
"Mpirehareha"
Manafina ireo olona mahantra ary mamono azy ireo sy maka ireo tsara aminy
Mihinana zavatra haingana
Manoritsoritra ny fiafenany i Habakoka rehefa nieritreritra izay mety hamaizan'Yaveh ireo Kaldeana.
Oharina amin'ny fahatahorana ny fieritreretana ny amin'ny fiainan-koavy. Mampiasa ny ampahany amin'ny vatany i Habakoka mba hilazany fa natahotra ny ankamaroan'ny vatany.
lo
Tsy misy sakafo eo. Ny fototry ny sakafo mihitsy no voavory tao amin'ny tanin'Israely.
Manandratra an'Yaveh i Habakoka.
Midika hoe: "mba mifalia" ireo teny roa ireo, fa raha atao amin'ny fiteny hafa dia amin'ny firavoana be aorian'ny ady, ampiasao eto ny hoe: "mifalia".
Afaka omen'i Habakoka Tongotra tahaka ny diera mba ho zatra mihanika aram-bato. Oharina amin'ny toerana ivelan'ny lozan'ireo mpanakarena ny teny hoe: "toerana avo". Omen'Andriamanitra fahazarana izy mba hakany fiarovana raha miteny.
1 Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Zefania zanaka lahin'i Kosy zanaka lahin'i Gedalia zanaka lahin'i Amaria zanaka lahin'i Hezekia, tamin'ny andron'i Josia zanaka lahin'i Amona, mpanjakan'ny Joda. 2 "Hamotika ny zava-drehetra tsy ho eo ambonin'ny velaran-tany tokoa Aho_izany no fanambaran'i Yaveh. 3 Handringana ny olona sy ny biby Aho; handringana ny voron'ny lanitra sy ny trondron-dranomasina Aho, ho eo amin'ireo ratsy fanahy ny faharavana. Fa haringako tsy ho eo ambonin'ny tany ny olona_izany no fanambaran'i Yaveh. 4 Haninjitra ny tanako eo amin'i Joda sy amin'ireo mponin'ny Jerosalema rehetra Aho. Haringako tsy ho amin'ity tany ity ireo sisan'i Bala sy ireo anaran'olona mpanompo sampy eo amin'ireo mpisorona, 5 ireo olona izay manompo ireo tena eny amin'ny lanitra eo an-tampon-trano, ary ireo olona manompo sy mianiana amin'i Yaveh kanefa sady mianiana amin'ny mpanjakan'izy ireo. [1]6 Handringana ireo izay efa nivily tamin'ny fanarahana an'i Yaveh ihany koa Aho, ireo izay tsy nikatsaka an'i Yaveh na nanontany ny tari-dalany." 7 Aza miteny eo anatrehan'i Yaveh Tompo! Fa efa akaiky ny andron'i Yaveh; efa nanomana fanatitra sy efa nanokana ireo vahininy Izy. 8 "Izany dia hitranga amin'ny andron'ny soron'i Yaveh, hanasazy ireo andrian-dahy sy ireo zanaka mpanjaka, ary ireo rehetra mitafy fitafiana vahiny Aho. 9 Amin'izany andro izany dia hanasazy ireo rehetra izay mandingana ny tokonana Aho, dia ireo izay mameno ny tranon'ny tompony amin'ny herisetra sy fitak. 10 Koa amin'izany andro izany—izao no fanambaran'i Yaveh—fa hisy feo mitaraina avy eo am-Bavahadin-kazandrano, fidradradradràna avy eo amin'ny Tanàna Ambany, ary fidabohana lehibe avy amin'ireo havoana. 11 Midradradradrà, ry mponin'ny Maktesy, fa ho ringana ireo mpandranto rehetra; ho lany ringana ireo izay nivesatra volafotsy. 12 Ary amin'izany andro izany dia hitady an'i Jerosalema amin'ny fanilo Aho ary hanasazy ireo olona babon'ny divainy sy manao anakam-po hoe: "Tsy hanao na inona na inona i Yaveh, na soa na ratsy." 13 Ho lasa babo ny harenan'izy ireo, ary ho lao ny tranon'izy ireo! Hanorina trano izy ireo kanefa tsy hitoetra ao amin'ireo, ary hamboly voaloboka kanefa tsy hisotro ny divain'ireo. 14 Efa antomotra ny andro lehiben'i Yaveh, antomotra sady mihafaingana tokoa! Ny feon'ny andron'i Yaveh dia ho tahaka ny mpiady mitaraina mafy! 15 Izany andro izany dia ho andron'ny fahatezerana, andron'ny fahoriana sy fahalevonana, andron'ny tafio-drivotra sy fanafoanana, andron'ny fahamaizinana sy fanjombonana, andron'ny rahona sy haizim-pito. 16 Izany dia ho andron'ny trompetra sy fanairana hanohitra ireo tanàna mimanda sy ireo tilikambo avo. 17 Fa hitondra fahoriana eo amin'ny olombelona Aho, ka hirenireny toy olona jamba izy ireo satria efa nanota tamin'i Yaveh. Hararaka toy ny vovoka ny ràn'izy ireo, ary ny ao anatin'izy ireo dia ho toy ny zezika. 18 Na ny volafotsin'izy ireo na ny volamenany dia tsy afaka hamonjy azy ireo amin'ny androm-pahatezeran'i Yaveh. Ho levon'ny afon'ny fahasarotam-piarony ny tany rehetra, fa hitondra fahafonganana feno, mahatsiravina amin'ny mponin'ny tany rehetra Izy."
"Ny teny izay nolazain'Yaveh Andriamanitra"
Io no anaran'Andriamanitra izay nambara tamin'ireo vahoaka tao amin'ny Testamenta taloha. Jereo hoe ahoana fomba nandikana ny mahakasika an'i Yahveh ao amin'ny fandikan-teny maneran-tany.
Nolazaina toy ny fanapahana zavatra amin'ny ampahany ny teny hoe manimba.
"Milkoma" anarana hafa iantsoana ny sampin'ny "Moleka."
Maneho ny drafitr'Andriamanitra ity fitenenana ity ary ireo fomba ampiasan'ny fahavalo ny olony amin'ny fanatanterahana ny tanjony.
Manome soso-kevitra ity andian-teny ity fa nanao akanjo mitovy amin'ireo vahiny reo Israelita mba hampisehoana ny hatsaram-panahy amin'ireo doaniny sy hanompoana ireo andriamanitry ny vahiny.
"Amin'ny andron Yaveh"
Manondro ny olona izay midera manokana ny maha-andriamanitra ilay nantsoina hoe Dagana. DH: "ireo rehetra nidera an'i Dagana"
DH: "izay nambaran'Yaveh" na "izay lazain'Yaveh mafy"
Ny vavahadin-kazo dia iray amin'ireo vavahady misy rindrina amin'ny tanàna.
DH: "Malahelo mafy avy amin'ny Tanàna Ambany." Nanakaiky amin'ny ampahany amin'ny Jerosalema ny Tanàna Ambany.
Oharina amin'ny havoana manodidina an'i Jerosalema. DH: "avy amin'ny havoana manodidina an'i jerosalema."
DH: "ireo rehetra izay mividy sy mivarotra volafotsy, ireo mpivarotra, novonoina."
Tsy misy afaka ny hiery amin'Andriamanitra na dia iray aza.
Mahazo antoka amin'ny korontana izy ireo.
Miteny am-pahatsorana izy ireo.
Ny fiverimberenan'ny teny hoe "antomotra," miaraka amin'ny andian-teny "mihafaingana" dia manasongadina izany andro rehefa hipoitra hitsara ny olona Yaveh. DH: "hidio ary avy eto haingana."
Manasongadina ny hamafin'ny fitsaran'Andriamanitra ity fanambarana ity. Ny ankamaroan'ny sarin-teny dia mitombo sy maneho ny faharavan'ny natiora amin'ny fitsarana faran'Andriamanitra. Mamorona songadina izany.
Ireo teny hoe "fahoriana" sy "fahalevonana dia madika zavatra mitovy ary manasongadina ny tanjaky ny olon'ny fahoriana. DH: "andro hanaovana zavatra mampahory ny olona."
Oharina amin'ny faminavinana ny fitsarana ny teny hoe "tafio-drivotra" eto. Soritsoritina amin'ny vokatry ny fitsarana ny teny hoe "fanafoanana". DH: "ny andron'ny fanafoanana ny tafio-drivotra" na "andro fanafoanana ny fitsarana."
Manasongadina ny herin'ny fahamaizinana ny teny hoe "fahamaizinana" sy "fanjombonana". Oharina amin'ny fotoan-dratsy na faminavinana ny fitsarana. DH: "andro feno fahamaizinana" na "andron'ny fitsarana ratsy."
Mitovy dika ireo andian-teny ireo, ary manamafy ny hevitry ny teo aloha, tahaka izany andian-teny izany, oharina amin'ny faminavinana ny fitsarana ny "rahona" sy "haizim-pito". DH: "andro feno haizina eny amin'ny lanitra"
Mitovy hevitra ihany eto ireo teny hoe: "trompetra" sy "fanairana". Midika ho fiantsoana ireo miaramila mba hiomana amin'ny ady ireo teny roa ireo. DH: "andro nampanenoana ny fanairana amin'ny ady."
Ireo andian-teny roa ireo dia oharina amin'ny fiarovana mafy ho an'ny miaramila DH: "mampatanjaka tsara ireo tanàna."
Mampitaha ny fampisehoana izay iombonan'izy ireo ireto andian-tany telo ireto.
Oharina amin'ny fahefan'ny hatezeran'Yaveh izany.
1 Angony ny tenanareo ary mitambara, ry firenena tsy manan-kenatra— 2 dieny mbola tsy mihatra ny didy ary dieny mbola tsy mielina toy ny akofa ny andro, dieny mbola tsy tonga aminareo ny firehetan'ny fahatezerana mafin'i Yaveh, dieny mbola tsy tonga aminareo ny andron'ny fahatezeran'i Yaveh. 3 Mikatsaha an'i Yaveh, ry vahoaka mendrika rehetra ambonin'ny tany izay mankatò ireo didiny! Katsaho ny fahamarinana. Katsaho ny fanetren-tena, ary dia mety ho voaharo ianareo amin'ny andron'ny fahatezeran'i Yaveh. 4 Fa i Gaza dia ho lao, ary Askelona ho rava. Handroaka an'i Asdoda amin'ny mitataovovonana izy ireo, ary hamongotra an'i Ekrona! 5 Loza ho an'ireo mponina any amoron-tsiraka, dia ny firenen'ireo Keretita! Efa niteny nanohitra anareo i Yaveh, ry Kanana, tanin'ireo Filistina. Handringana anareo ambara-pahafoana ny mponina Aho. 6 Ary dia ho lasa ahitra ho an'ireo mpiandry ondry sy ho an'ny valan'ondry ny moron-tsiraka. 7 Ireo faritra amoron-tsiraka dia ho an'ireo sisan'ny ankohonan'i Joda, izay hiandry ny ondry aman'osiny ao. Ao amin'ny ankohonan'i Askelona no handrian'ireo vahoakan'izy ireo amin'ny hariva, fa Yaveh Andriamanitr'izy ireo no hikarakara azy ireo sy hamerina ny fananany. 8 "Efa reko ny teny ratsin'i Moaba sy ny latsan'ireo vahoakan'i Amona raha niteny ratsy ireo vahoakako sy nanitsakitsaka ny faritaniny izy ireo. 9 Noho izany, raha velona koa Aho—izao no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, —ho tahaka an'i Sodoma i Moaba, ary ireo vahoakan'i Amona ho tahaka an'i Gomora; dia ho toeran'ny alan'amiana sy lava-tsira, tany lao mandrakizay. Fa ny sisa amin'ireo vahoakako kosa hambabo azy ireo, ary ireo sisa amin'ny fireneko hahalasa azy ireo ho fananana." 10 Izany no hihatra amin'i Moaba sy Amona nohon'ny fireharehany, satria niteny ratsy sy nanaraby ny vahoakan'i Yaveh Tompon'ny maro izy ireo. 11 Ary hatahotra an'i Yaveh izy ireo, satria hiteny ratsy ny andriamanitra rehetran'ny tany Izy. Hanompo Azy ny olon-drehetra, ny olon-drehetra avy amin'ny toerany, avy amin'ny moron-tsiraka rehetra. 12 Ianareo ihany koa ry Kosita dia ho voalefon'ny sabatro, 13 ary ny tanan'i Yaveh no hanafika ny avaratra ka hamotika an'i Asyria, ka dia ho lasa tany karakaina tahaka ny tany efitra i Ninive. 14 Ary handry ao ny omby, ny biby rehetran'ireo firenena, ny vorondolon'ny efitra sy ny sokina dia handry eo amin'ny tendron'ny andriny. Hisy antso hihira avy eo am-baravarankely; ho eo an-tokonana ny faharavana; ho sarona ireo andry sedera voasokiny. 15 Izany ilay tanàna niravoravo izay niaina tsy nisy tahotra, izay nanao anakam-po taminy hoe; "Izaho no izy, ary tsy misy toa ahy." Indrisy fa tonga mahatsiravina izy, toerana natao mba handrian'ny biby. Izay rehetra mandalo eo aminy dia hisitrisitra ary hamokona ny totohondriny aminy.
midika zavatra roa mitovy ireo andian-teny roa ireo. Miara-manamafy ny fandidiana ny olona amin'ny laoniny mba hiara-hino ny fahotan'izy ireo izy ireo. DH: "angony miaraka ny tenanareo."
Tsy miala tsiny amin'ireo fahotany ny firenena.
Tsinotsinona amin'ny zava-maniry miparitaka eny rehetra eny ny akofa ary ho avy aingana izany andro izany.
Naverimberin'ny mpaminany ireo andian-teny mitovy ireo izay manasongadina ny haratsin'ny fitsaran'Yaveh ary ny tokony hanompoan'ny olona Azy.
Mampitandrina ny hanafay i Yaveh
Ho alana haingana sy tanteraka amin'ireo tanàna ireo ny olona.
DH: "mandra-pahatapitry ny olona"
Tsy dia mazava tsara ny dikan'io andininy io ary azo adika amin'ny teny hafa amin"ny dikan-teny taty aoriana.
Ny valan'ondry dia toerana kely voafefy manodidina mba iangonan'ny ondry miaraka.
Midika fa matory amin'ny fandriana
"Izay nambaran'Yaveh Tompon'ny maro" na "izay nolazain'Yaveh Tompon'ny maro"
Simba sy nianjera ireo trano, nampiasaina tamin'ny fanaingoana ny tendron'ny andry sady ahafahana mitsangana tsara.
Ny andry dia singa lava sy mahitsy avy amin'ny hazo izay nampiasaina amin'ny fiandrianan'ny trano.
Ny hisitrisitra dia feo tezitra. Manondro mafy ny olona nandeha tao Ninive ity andian-teny ity.
1 Loza ho an'ny tanàna mpikomy! Voaloto ny tanàna mahery setra. 2 Tsy nihaino ny feon'Andriamanitra izy, na nanaiky famaizana avy tamin'i Yaveh. Tsy natoky an'i Yaveh ary tsy nanatona an'Andriamaniny izy. 3 Liona mierona eo afovoany ireo andrian-dahiny. Ireo mpitsarany dia amboadia amin'ny hariva izay tsy mamela na inona na inona mba ho hanina ny maraina. 4 Lehilahy maditra sy mpamitaka ireo mpaminaniny. Efa nanimbazimba izay masina sy nanao herisetra tamin'ny lalàna ireo mpisorony. 5 Yaveh dia marina eo anivony. Tsy afaka manao ny tsy mety izy. Isa-maraina no hizarany ny fitsarany! Tsy ho takona ao anatin'ny hazavana izany, fa ny olona tsy marina dia tsy mahalala menatra. 6 "Efa namotika firenena Aho; rava ireo fiarovana mafin'izy ireo. Noravaiko ireo lalany, mba tsy hisy na iza na iza handalo eo amin'izy ireo. Fongana ireo tanànany ka tsy misy olona monina ao amin'izy ireo. 7 Niteny Aho hoe: "Hatahotra Ahy tokoa ianao." Hekeo ny famaizana ka tsy hiala amin'ny tranonao araka izay rehetra efa nomaniko ho atao aminao ianao." Saingy tamim-pahazotoana no nanombohan'izy ireo isa-maraina amin'ny fanaovana ny asa ratsin'izy ireo rehetra. 8 Noho izany miandrasa Ahy— izany no fanambaran'i Yaveh— mandra-pahatongan'ny andro izay hitsanganako ho an'ny niharam-boina. Fa ny fanapahan-kevitro dia ny hanangona ireo firenena, hamory ireo fanjakana, ary handrarahako ny fahatezerako amin'izy ireo, ireo fahavinirako mafy rehetra, mba ho levon'ny afon'ny fahatezerako ireo tany rehetra. [1]9 Fa hanome molotra madio ho an'ny vahoaka Aho avy eo, mba hiantsoana azy rehetra amin'ny anaran'i Yaveh mba hanompo Ahy miaraka. 10 Avy any andafin'ireo onin'i Etiopia ireo mpidera Ahy— ny oloko izay voaely— no hitondra ireo fanatitra ho Ahy. 11 Amin'izany andro izany dia tsy ho menatra amin'ny asa ratsinareo rehetra izay nataonareo tamiko ianareo, satria amin'izany fotoana izany dia hofongoriko eo aminareo ireo izay mankalaza ny fieboebonareo, ary satria tsy hanao fihetsika an'avona any amin'ny tendrombohitro masina intsony ianareo. 12 Fa handao anao tahaka ny olona manetry tena sy mahantra Aho, ary hialoka ao amin'ny anaran'i Yaveh ianareo. 13 Tsy hanao ny tsy rariny na hiteny lainga intsony ireo sisa tavela ao Israely, ary tsy ahitana lela mpamitaka ao am-bavan'izy ireo; ka hihinana sy handry izy ireo, ary tsy hisy na iza na iza hampitahotra azy ireo." 14 Mihirà, ry zanaka vavin'i Ziona! Mihiakà, ry Israely. Miravoravoa ary mifalia amin'ny fonao rehetra, ry zanaka vavin'i Jerosalema. 15 Nanaisotra ireo famaizanao Yaveh; nandroaka ireo fahavalonao Izy! Yaveh no mpanjakan'Israely eo aminao. Tsy hatahotra ny ratsy intsony ianao! 16 Amin'izany andro izany dia hiteny amin'i Jerosalema izy ireo hoe: "Aza matahotra, ry Ziona. Aza mamela ny tananao hangozohozo. 17 Ao aminao i Yaveh Andriamanitrao, dia ilay mahery mpamonjy anao. Hankalaza eo aminao Izy ary am-pifaliana no hanginany eo aminao ao amin'ny fitiavany. Hiravoravo eo aminao Izy ary hanao hiakam-pifaliana, 18 tahaka ny tamin'ireo andro firavoravoana efa voatondro. Hanala ny loza eo aminao Aho; tsy hitondra henatra amin'izany intsony ianao. [2]19 Indro, hifanandrina amin'ny mpampahory anao rehetra Aho. Amin'izany fotoana izany, hamonjy ireo mandringa ary hanangona ireo noroahina Aho. Hataoko tahaka ny fiderana izy ireo, ary hanova ny henatr'izy ireo ho laza maneran-tany rehetra Aho. 20 Amin'izany fotoana izany dia hitarika anareo Aho; hangoniko miaraka ianareo. Ho ataoko manaja sy midera anareo ireo firenena rehetra maneran-tany, rehefa hitanareo fa namerina anao amin'ny laoniny Aho," hoy Yaveh.
Tsy nankatoa izay nataon'Andriamanitra amin'ny aminaniany ny ampianatra azy ireo ny vahoakan'ny Jerosalema.
Tsy naniry ny hidera na hankatoa an'Andriamanitra ny vahoaka.
DH: "Maherisetra ireo mpitarika'ny Jerosalema."
DH: "olon-dratsy izay mpaka zavatra ankeriny amin'ny hafa ny mpitsarany." Fanoharana ihany koa izany.
DH: "lehilahy tsy mpankatoa sy tsy mena-mivadika ireo mpaminaniny."
DH: "Miseho mazava tsara amin'ny rehetra ny fahamarinany"
Manambara hevitra roa mitovy amin'ny fiteny samihafa i Yaveh raha manasongadina ny faharavan'ny tanàna tanteraka.
Izay tenen'Yaveh mafy no dikan'izany.
"Hitsangana hanimba ny hiaram-boina Aho"
Midika zavatra mitovy ary manasongadina izay hitsaran'Yaveh ireo firenena rehetra ireto andian-teny roa ireto.
Midika ho zavatra mitovy ireo teny hoe "fahatezerana" sy "fahavinirana mafy" ary manasongadina ny tanjaky ny fahatezeran'Yaveh. DH: "ny hatezerako mafy."
DH: "fa izany no afon'ny fahatezerako izany no handevona ny tany rehetra"
Ny fahatezerana eto dia ilazana fa tahaka ny afo te andevona zavatra izy.
Fomba hafa hilazan'Andriamanitra tamin'ny vahoakany ny amin'izay fahamarinana izany.
Refesina amin'ny fanirian'izy ireo ny hanompo an'Andriamanitra ny olona, toy ny fandrefesana ny olona rehefa miara-mitsangana amin'ny fikitiana ny soroky ny hafa izy ireo.
DH: "tsy misy na dia iray amin'ny lela aza hamitaka amin'ny molony" na "tsy hiteny zavatra mamitaka izy ireo"
Miteny amin'ireo mponin'isrely i Yaveh fa toy ny ondry izay mihinana sy mandry am-pilaminana izy ireo.
"Midika ho ireo olona rehetra ao Jerosalema izany."
Tsy manan-kery sy tsy afa-manoitra araka ny ilàna azy raha ho tonga tsinotsinona ireo tanan'izy ireo no dikan'izany.
Miseho amin'ny fanoharana ny mandringa sy ondry noroahina izany, ka manompo toy ny fahitana ireo Israelita izay mijaly ao am-pigadrana.
Oharina amin'ny olona na biby tsy afaka mandehandeha ireo.
Ny teny rehetra eto dia: "ataoko hana-tanjona amin'ny fanompoana azy ireo" , izay mihevitra hoe: "ataoko nanompo ireo hafa izy ireo."
Mihevitra zavatra roa mitovy ary midika izay itondran'Yaveh ny olona babo hiverina amin'ny taniny ireto teny ireto. DH: "Amin'izany fotoana izany dia hangoniko miaraka ary tarihiko ho any an-trano ianareo."
1 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa mpanjaka, tamin'ny fahenin'ny volana, tamin'ny andro voalohan'ny volana, dia tonga tamin'ny alalan'ny tanan'i Hagay mpaminany teo amin'i Zerobabela governoran'i Joda, zanaka lahin'i Sealtiela, ary teo amin'i Josoa mpisoronabe zanaka lahin'i Jozadaka ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Yaveh Tompon'ny maro milaza izao: Izao no nolazain'ireo vahoaka ireo: 'Tsy fotoana ahatongavantsika na hanorenantsika trano ho an'i Yaveh izao."' 3 Avy eo dia tonga tamin'ny alalan'ny tanan'i Hagay mpaminany ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 4 "Fotoana honenanareo ao amin'ny trano vitanareo ve izao, raha toa ka mbola rava izany trano izany? 5 Koa ankehitriny Yaveh Tompon'ny maro milaza izao: Diniho ireo fombanareo! 6 Namafy voa marobe ianareo, fa nijinja vokatra kely; nihinana ianareo nefa tsy afa-po; nisotro ianareo fa tsy mamo. Nitafy akanjo ianareo fa tsy afaka nanafana ny tenanareo, ary ny mpikarama dia handray vola ho atao ao anaty kitapo feno loaka fotsiny ihany! 7 Izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: "Diniho ireo fombanareo! 8 Miakara any an-tendrombohitra, mitondrà hazo, ary hahoreno ny tranoko; dia hifaly ao amin'izany Aho, ary homem-boninahitra Aho! —hoy i Yaveh." 9 "Mitady ny betsaka ianareo, kanefa indro! trano kely no nentinareo, satria notsofiko izany! Nahoana?" nanambara i Yaveh Tompon'ny maro. "Satria ny tranoko dia rava, raha toa ka miasa ho an'ny tranony avy ny tsirairay aminareo. 10 Noho izany ny lanitra dia hihazona ny ando tsy ho anareo, ary ny tany dia hihazona ireo vokany. 11 Niantso hain-tany teo amin'ny tany sy teo amin'ireo tendrombohitra, teo amin'ny vary sy teo amin'ny divay vaovao, teo amin'ny diloilo sy teo amin'ny vokatry ny tany, teo amin'ny olona sy teo amin'ireo biby, ary teo amin'ireo asan'ny tananareo rehetra Aho!" 12 Ary Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela, sy i Josoa mpisoronabe zanaka lahin'i Jozadaka, miaraka amin'ireo olona sisa tavela, dia nankatoa ny feon'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo sy ireo tenin'i Hagay mpaminany, satria Yaveh Andriamanitr'izy ireo no nandefa azy ary ireo vahoaka dia natahotra ny tavan'i Yaveh. 13 Ary i Hagay, ilay mpitondra ny hafatr'i Yaveh, dia niteny ny hafatr'i Yaveh tamin'ny vahoaka nanao hoe: "Miaraka aminareo Aho! —izany no fanambaran'i Yaveh!" 14 Koa nanetsika ny fanahin'i Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela, governoran'i Joda, sy ny fanahin'i Josoa mpisoronabe zanaka lahin'i Jozadaka, ary ny fanahin'ireo vahoaka sisa tavela rehetra i Yaveh, mba handeha izy ireo ka hiasa amin'ny tranon'i Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'izy ireo 15 tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana fahenina, tamin'ny faharoa taona nanjakan'i Dariosa mpanjaka.
Anaran-dehilahy avokoa ireo.
"tamin'ny andro voalohan'ny volana fahenina." Io no volana fahenin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro voalohany dia manakaiky ny tapaky ny volana Aogositra amin'ny tetiandro Tandrefana.
"Nanambara ny teniny Yaveh"
Io no anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny olona ao amin'ny Testamenta Taloha. Mahakasika ny fomba tokony handikana izany dia jereo ny pejin'ny fandikana ny Teny momba an'i Yaveh.
Hagay ilay mpitondra hafatra.
"Nanambara ny teniny Yaveh." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:1.
DH: "tonga tamin'ny alalan'ny tenin'i (vava) Hagay."
DH: jereo ny UDB
Ny teny hoe "trano" eto dia ilazana ny tempolin'Andriamanitra.
Tsy milaza na maneho hevitra ambadika akory ny lahatsoratra fa zavatra tsara ny hamamoana. Fa kosa, tsy misy divay ampy hahafapo ny hetahetan'ny olona sady tsy ampy hahamamo akory.
DH: "ny vola iharianao amin'ny asa dia tsy ampy ividiananao"
Maneho ampahany iray amin'izay ilain'izy ireo hananganana ny Tempoly ihany io.
"izay nambaran'i Yaveh" na "izay nolazain'i Yaveh tamin'ny fomba manetriketrika."
DH: "ny habakabaka"
DH: "hanakana ny orana"
Fahamainana izay hanakana na handrara ny fanirian'ny zava-maniry ary mandritra ny rano izay ilaina ho an'ny biby na ny olona ao amin'izany faritra izany.
Ny divay dia ilazana ny voaloboka ary ny diloilo dia ilazana ny oliva.
"ny asa mafy rehetra nataonareo!"
"rehefa ren'izy ireo ny teny izay nambaran'i Hagay mpaminany"
DH: "Yaveh"
"izay nambaran'i Yaveh" na "izay nolazain'i Yaveh tamin'ny fomba manetriketrika."
Mamporisika na misarika no dikan'izany.
Ny teny hoe "sisa tavela" dia ilazana ny olona izay mbola velona taorian'ny nahatongavan'izy ireo avy amin'ny fahababoana tany Babylona ka nanomboka namerina nanarina an'i Jerosalema.
23 andro taorian'ny nahazoany ilay fahitana fotsiny io. Volona fahenina amin'ny tetiandro Hebreo izany. Ny andro fahefatra amby roapolo dia manakaiky ny tapaky ny volana Septambra amin'ny tetiandro Tandrefana.
"taona faharoa nanjakan'i Dariosa Mpanjaka"
1 Tamin'ny volana fahafito tamin'ny andro fahiraika amby roapolon'ny volana, dia tonga tamin'ny alalan'i Hagay mpaminany ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 2 "Mitenena amin'ny governoran'i Joda, dia i Zerobabela zanak'i Sealtiela, sy amin'ny mpisorona be dia i Josoa zanak'i Jehozadaka, ary amin'ny sisan'ny vahoaka. Lazao hoe: 3 "Iza no tavela aminareo izay nahita ity trano ity tamin'ny voninahiny taloha? Ahoana ny fahitanareo izany ankehitriny? Moa ve tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo izany? 4 Ankehitriny, matanjaha, ry Zerobabela! —izany no fanambaran'i Yaveh—ary matanjaha, ry mpisorona be dia i Josoa zanak'i Jehozadaka; ary matanjaha, ianareo vahoaka rehetra amin'ny tany! —izany no fanambaran'i Yaveh—ary miasà, fa momba anareo Aho! —izany ny fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. 5 Izany ny fanekena izay naoriko taminareo raha nivoaka tany Egypta ianareo, ary mitoetra ao aminareo ny Fanahiko. Aza matahotra! 6 Fa izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Ao anatin'ny fotoana fohy dia hanozongozona ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy ny tany maina indray Aho! 7 Hahozongozoko ny firenena rehetra, ary hitondra ireo zava-tsarobidiny eto Amiko ny firenen-drehetra, ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Yaveh Tompon'ny maro. 8 Ahy ny volafotsy sy ny volamena! —izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. 9 Ny voninahitr'ity trano ity dia ho lehibe amin'ny hoavy noho ny tany am-boalohany, hoy Yaveh Tompon'ny maro, ary eto amin'ity toerana ity no hanomezako fiadanana! —izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro." 10 Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana fahasivy, tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, dia tonga tamin'i Hagay mpaminany ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 11 "Izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Manontania ireo mpisorona mahakasika ny lalàna, ka lazao hoe: 12 'Raha misy olona mitondra hena izay voatokana ho an'i Yaveh ao amin'ny valonan'akanjony, ary mikasika mofo na hanina, divay na diloilo ilay valonany, na izay karazan-tsakafo, dia tsy lasa masina ve izany?'" Namaly ireo mpisorona ka nanao hoe: "Tsia." 13 Dia hoy Hagay: "Raha misy olona izay maloto amin'ny faty mikasika ireo zavatra ireo, tsy tonga maloto ve ireo?" Namaly ireo mpisorona ka nanao hoe: "Eny, lasa maloto ireo." 14 Dia namaly Hagay ka nanao hoe: "Dia toy izany koa ity vahoaka ity sy ity firenena ity eo anatrehako! —izany ny fanambaran'i Yaveh—ary toy izany koa ny zava-drehetra vitan'ny tanan'izy ireo: izay atolotr'izy ireo ho Ahy dia maloto. 15 Koa ankehitriny, hevero ao an-tsainareo ny lasa ka hatramin'izao andro izao mihitsy. Nialohan'ny nametrahana ny vato ambonin'ny vato tao an-tempolin'i Yaveh, 16 dia nanao ahoana ary izany? Raha tonga teo amin'ny antontam-bary roapolo fatra ianareo, dia folo ihany no nisy, ary raha tonga teo amin'ny vatan-divay mba handraoka dimampolo fatra ianareo, dia roapolo ihany no nisy. 17 Namely anareo sy ny asan'ny tananareo rehetra tamin'ny vary sy ny maty fotsy Aho, nefa mbola tsy niverina tamiko ihany ianareo—izany no fanambaran'i Yaveh. 18 Hevero manomboka izao andro izao, hatramin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana fahasivy, hatramin'ny andro izay nametrahana ny fototry ny tempolin'i Yaveh. Hevero izany! 19 Mbola misy voa ve ao amin'ny trano fitehirizana? Tsy namokatra ny divay, ny hazon'aviavy, ny ampongaben-danitra, ary ny hazon'oliva! Fa manomboka ankehitriny dia hitahy anareo Aho!" 20 Dia tonga fanindroany tamin'i Hagay tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana ny tenin'i Yaveh ka nanao hoe: " 21 Mitenena amin'ny governoran'i Joda, dia i Zerobabela, ka lazao hoe: "Hanozongozona ny lanitra sy ny tany Aho. 22 Satria horavako ny seza fiandrianan'ireo fanjakana ary hopotehiko ny herin'ireo fanjakan'ny firenena! Horavako ireo kalesy sy ireo mpitaingina izany; ho lavo ireo soavaly sy ny mpitaingina izany, ny tsirairay lavo nohon'ny sabatry ny rahalahiny. 23 Amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro—dia halaiko ianao, ry Zerobabela zanak'i Sealtiela, ho mpanompoko—izany ny fanambaran'i Yaveh. Hataoko toy ny peratra fanombohan-kase ianao, fa efa nifidy anao Aho! —izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro!'"
Volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo io. Ny andro fahiraika amby roapolo dia manakaiky ny tapaky ny Oktobra amin'ny tetiandro Tandrefana.
"Nanambara ny teniny Yaveh." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:1.
"tsy maintsy heverinao ho tsy mba misy lanjany tokoa izany"
"Manomboka izao dia matanjaha,"
fikorontanana lehibe tokoa
Ny teny hoe "volafotsy sy volamena" dia ilazana ireo harena nentina tao an-tempoly.
Volana fahasivy amin'ny tetiandro Hebreo io. Ny andro fahefatra amby roapolo dia manakaiky ny tapaky Desambra amin'ny tetiandro Tandrefana.
"Nanambara ny teniny Yaveh." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:1.
"Marina amin'ny vahoakan'Israely izany!" na "Io lalàna io dia marina hatrany amin'ny vahoakan'Israely!"
Tsy hay ny haben'ny hoe "fatra."
Tsy hay ny haben'ny hoe "fatra."
"Nozoniko ny asanareo sy ny vokatrareo rehetra."
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:10.
Ny valinteny andrasana dia "tsia." Ampisaiana io fanontaniana io mba hanamafisana izay efa hain'ny mpamaky.
Ireo dia voankazo naniry teo amin'ilay tany.
"Nanambara ny teniny Yaveh." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:1.
Anaran-dehilahy ireo.
DH: "tamin'ny adro fahefatra amby roapolon'ny volana fahasivy"
Hahatonga fikorontanana eo amin'ny tontolon'izy ireo Yaveh.
DH: "izao tontolo izao"
Hirodana amin'ny fikorontanana fara-tampony ireo governemanta.
DH: "governemanta hanjakan'ny mpanjaka"
DH: "ny sabatra eo amin'ny miaramila namana"
1 Tamin'ny volana fahavalo tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, dia tonga tamin'i Zakaria zanaka lahin'i Berekia zanaka lahin'Ido, mpaminany, ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Tezitra fatratra tamin'ireo razambenao i Yaveh! 3 Lazao izy ireo hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Mitodiha Amiko! —izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro —dia hitodika aminareo Aho, hoy Yaveh tompon'ny maro. 4 Aoka ianareo tsy ho tahaka ny razambenareo izay nantsoin'ireo mpaminany teo aloha, manao hoe: "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalan-dratsinareo sy ny fampiharan-dratsinareo!" Fa tsy nandre izy ireo ary tsy niraharaha Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh.' 5 Ireo razambenareo, aiza izy ireo? Aiza ireo mpaminany, eto mandrakizay ve izy ireo? 6 Fa ireo teniko sy ireo lalàko izay nandidiko an'ireo mpaminany mpanompoko, tsy efa nahatratra ireo razambenareo ve ireo? Koa nibebaka izy ireo ary nanao hoe: 'Araka izay efa nalahatr'i Yaveh tompon'ny maro hatao aminay izay mendrika ireo lalanay sy ireo asanay, no nataony taminay."" 7 Tamin'ny andro fahefatra amby roapolo tamin'ny fahiraika ambin'ny folon'ny volana, izay volan'ny Sebata, tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, dia tonga tamin'i Zakaria, zanaka lahin'i Berekia zanaka lahin'Ido, ilay mpaminany, ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 8 "Nahita tamin'ny alina aho, ary, indro! nisy lehilahy iray nitaingina soavaly mena, ary teo amin'ny hazo rotra izay teo amin'ny lohasaha izy; ary teo aoriany dia nisy soavaly mena, volontany manopy mena, ary soavaly fotsy." 9 Hoy aho hoe: "Inona ireto zavatra ireto, ry Tompo?" Avy eo dia nisy anjely iray niresaka tamiko nanao tamiko hoe: "Ho asehoko anao hoe inona ireo zavatra ireo." 10 Ary ilay lehilahy izay nitsangana teo amin'ny hazo rotra namaly ary niteny hoe: "Ireo no nalefan'i Yaveh mba hirenireny manerana ny tany." 11 Namaly ilay anjelin'i Yaveh izay nitsangana teo amin'ny hazo rotra izy ireo; hoy izy ireo taminy hoe: "Efa nirenireny nanerana ny tany izahay; indro, ny tany rehetra dia mbola mipetraka sy mitsahatra." 12 Dia namaly ilay anjelin'i Yaveh ary niteny hoe: "Ry Yaveh tompon'ny maro, mandra-pahoviana no hanehoanao tsy fangoraham-po amin'i Jerosalema sy amin'ireo tanànan'i Joda izay efa niharitra fahatezerana izay fitopolo taona izay?" 13 Namaly ilay anjely izay niresaka tamiko, tamin'ny teny soa, teny fampaherezana i Yaveh. 14 Ka niteny tamiko ilay anjely izay niresaka tamiko hoe: "Miantsoa mafy ary milazà hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Saro-piaro tamim-pitiavana lehibe tamin'i Jerosalema sy tamin'i Ziona Aho! Tezitra mafy amin'ireo firenena izay ao anatin'ny fitoniana ireo Aho. 15 Raha mbola tezitra kely tamin'ireo Aho, dia vao mainka nampaharatsy ny fahoriana izy ireo. 16 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Efa niverina tamin'i Jerosalema tamim-pamindram-po Aho. Ho voaorina ao anatiny ny tranoko—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—ary ny famolaina dia ho henjanina amin'i Jerosalema!' 17 Miantsoa mafy indray, manao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ho tondraka soa indray ireo tanànako, ary hampahery an'i Ziona indray Yaveh, ary hisafidy an'i Jerosalema indray Izy."' 18 Dia nanandratra ny masoko aho ary nahita tandroka efatra! 19 Niresaka tamin'ilay anjely izay niresaka tamiko aho hoe: "Inona ireo?" Namaly ahy izy hoe: "Ireo no tandroka izay efa nanaparitaka an'i Joda, Israely, ary Jerosalema." 20 Avy eo dia nampiseho mpanao asa tanana efatra tamiko i Yaveh. 21 Hoy aho hoe: "Inona no anton-dian'ireo olona ireo?" Namaly Izy, ary niteny hoe: "Ireo no tandroka izay nanaparitaka an'i Joda mba tsy hisy olona afaka hanandratra ny lohany. Fa ireo olona ireo dia tonga mba handroaka azy ireo, mba handrava ireo tandrok'ireo firenena izay nanandratra tandroka manohitra ny tanin'i Joda mba hanaparitaka azy."
Io dia ny volana fahavalo amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny tapany faran'ny Oktobra sy ny tapany voalohan'ny Novambra amin'ny tetiandro Tandrefana.
"taona faharoa izay nanomboka nahalasa mpanjaka an'i Dariosy"
"Niteny ny teniny i Yaveh"
Io dia anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoaka tao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejin'ny teny amin'ny fandikan-teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba handikana izany.
Ireo dia anaran-dehilahy.
"tezitra mafy tamin'ireo razambenao taloha"
Ny teny "mitodiha" dia nampiasaina mba hanondroana fiovana. Milaza ny vahoaka ny mba hiovan'izy ireo tamin'ny tsy nankatoavany Azy amin'ny fankatoavana Azy i Yaveh.
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
Amin'ny filazany fa hitodika amin'ny vahoakan'i Israely Izy, dia milaza i Yaveh fa hisy zava-tsoa hitranga amin'izy ireo satria nanampy azy ireo Izy. DH: "Hitahy anareo Aho."
"nohikaina"
"Miovà"
Ireo fehezanteny ireo dia samy midika fa tsy nankatoa ireo didin'i Yaveh ny vahoakan'Israely. DH: "Nefa tsy nihaino ireo didiko izy ireo"
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
Ireo fehezanteny ireo dia samy nanontaniana mba hanondroana fa maty ny olona. DH: "Maty ireo razambenareo. Ireo mpaminany ihany koa dia ho faty."
Io fanontaniana io dia nampiasaina mba hanehoana amin'ny vahoakan'Israely fa ny zavatra rehetra izay efa nolazain'ny Tompo tamin'ireo mpaminaniny mba hampitandremana ireo razamben'izy ireo, dia efa nitranga.
Ireo dia samy fomba hanondroana izay efa nolazain'Andriamanitra tamin'ireo mpaminany.
Resahin'i Yaveh toy ny hoe mihazakazaka mba hahatratra sy hihoatra ireo razamben'ny vahoakan'Israely ireo faminaniany. Ny teny hoe "nahatratra" dia midika hoe nandalo.
"ny fitondran-tenanay sy ny fataonay"
Ny "Sebata" dia ny volana fahiraika ambin'ny folo amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahefatra amby roapolo dia akaikin'ny fisasahan'ny Febroary amin'ny tetiandro Tandrefana.
"Nilaza ny teniny i Yaveh." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:1.
Ireo dia anaran-dehilahy.
karazana hazo kely izay misy voninkazo maroloko.
Ny teny hoe "ireo" sy ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo soavaly teo amin'ny hazo rotra.
Ireo mety ho heviny dia 1) "misafo ny tany manontolo" na "mandeha manerana ny tany"
Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:7.
DH: "milamina ny vahoaka rehetra teto an-tany"
Ireo andianteny ireo dia samy manondro ny fahafahana maka aina tsy misy ahiahiana.
Ireo mety ho heviny dia 1) "efa nahatezitra Anao" (UDB) na 2) "efa tsy najainao"
Ireo andianteny ireo dia manoritsoritra ireo teny izay sady tsara no fampaherezana. DH: "nankahery ahy"
DH: "Tena tezitra tamin'ireo firenena izay nianoka fitoniana sy fahalemana Aho"
DH: "Tezitra kely tamin'ny vahoakan'i Joda Aho"
Ny fiverenana amin'i Jerosalema dia manondro ny fikarakarana ny vahoakan'Israely indray tahaka ny mpanjaka izay miverina mitarika ny vahoakany hiala amin'ny korontana.
DH: "Haorina any Jerosalema ny Tempoliko"
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
DH: "Ho refesina i Jerosalema mialohan'ny hananganana azy indray"
Tondroin'i Yaveh toy ny hoe rano izy afaka mameno ny tanàna sy mihoatra ireo manda ireo zava-tsoa hataony ho an'ny vahoakan'Israely. DH: "Hanankarena indray ireo tanànan'i Israely"
DH: "Hankahery ny vahoakan'Israely indray i Yaveh"
Mbola manohy manoritsoritra ny fahitany i Zakaria.
Io andianteny io dia manondro ny fanatrakana ny lohanao mba hijery any ambony.
Ireo tandroka dia manambara ireo tafika izay nanafika ny vahoakan'Israely. DH: "Ireo tandroka ireo dia manambara ireo firenena" (UDB).
Manohy manoritsoritra ny fahitan'i Zakaria aminy i Yaveh.
Jereo ny ao amin'ny 1:18.
Io andianteny io dia manoritsoritra olona izay matahotra loatra ny hijery zavatra izay mampatahotra azy. DH: "tsy misy olona nanan-kerim-po"
"handroaka ireo firenena ireo"
"mba handresy ireo tafika"
Io dia manondro ny fitsofana tandroka mba hibaikoana ny tafika.
1 Manaraka izany dia nanandratra ny masoko aho ary nahita lehilahy niaraka tamin'ny tady fandrefesana teny an-tanany. 2 Hoy aho hoe: "Andeha ho aiza ianao?" Dia hoy izy tamiko hoe: "Handrefy an'i Jerosalema, hamaritra ny sakany sy ny halavany." 3 Dia lasa ilay anjely izay niresaka tamiko ary nisy anjely iray hafa nivoaka mba hitsena azy. 4 Hoy ilay anjely faharoa taminy hoe: "Mihazakazaha ary miresaha amin'iny tovolahy iny; lazao hoe: 'Hipetraka eo amin'ny tanàna misokatra i Jerosalema nohon'ny hamaroan'ny olona sy ireo biby ao aminy. 5 Fa Izaho — izany no fanambaran'i Yaveh—dia ho tonga manda afo manodidina azy, ary ho voninahitra eo afovoany Aho. 6 Haingana! Haingana! Mitsoaha avy any amin'ny tany avaratra—izany no fanambaran'i Yaveh—fa Izaho efa nampiely anareo toy ny rivotra efatry ny lanitra! —Izany no fanambaran'i Yaveh. 7 Eh! Mandosira mankany Ziona, ianareo izay mipetraka miaraka amin'ny zanaka vavin'i Babylona!"' 8 Fa taorian'ny nanomezan'i Yaveh tompon'ny maro voninahitra ahy sy nandefasany ahy hanohitra ireo firenena izay nandroba anareo—fa na iza na iza mikasika anareo, dia mikasika ny anakandriamason' Andriamanitra! —rehefa avy nanao izany Yaveh, dia hoy Izy hoe: 9 "Izaho mihitsy no haninjitra ny tanako amin'izy ireo, ary dia ho babo ho an'ireo andevony izy ireo." Dia ho fantatrareo fa i Yaveh tompon'ny maro no naniraka ahy. 10 "Mihirà ho amin'ny fifaliana, ry zanaka vavin'i Ziona, fa Izaho mihitsy no ho tonga sy hitoby eo aminareo! —izany no fanambaran'i Yaveh." 11 Avy eo ireo firenen-dehibe hiaraka amin'i Yaveh amin'izany andro izany. Hoy izy hoe: "Ary dia ho tonga vahoakako ianareo; fa hitoby eo afovoanareo Aho," ary ho fantatrareo fa Yaveh tompon'ny maro no naniraka ahy ho eo aminareo. 12 Fa Yaveh hampandova an'i Joda toy ny fananany ara-drariny any amin'ny tany masina ary hifidy indray an'i Jerosalema ho azy. 13 Aza miteny, eo anatrehan'i Yaveh, ry nofo rehetra, fa nitsangana avy tao amin'ny toerany masina Izy!
Manohy manoritsoritra ireo fahitany i Zakaria.
DH: "Nijery ambony aho"
Tady misy halavany tokoa nampiasaina handrefesana zavatra lava.
"Dia hoy ilay lehilahy nitondra ny tady fandrefesana tamiko"
Io anjely io dia olona vaovao ary tsy mbola hita tany aloha, ka noho izany dia tokony ampidirina mazava tahaka ny mpandray anjara vaovao. DH: "nisy anjely vaovao nivoaka mba hitsena azy."
"Hoy ilay anjely faharoa tamin'ilay anjely izay niresaka tamin'i Zakaria hoe: 'Mandehana faingana ary lazao ilay lehilahy izay mitondra ny tady fandrefesana"'
Io andianteny io dia midika fa tsy ho voadidina manda i Jerosalema.
Milaza i Yaveh fa hiaro an'i Jerosalema ka mampitaha ny fiarovana azy amin'ny manda afo.
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
Ireo teny roa ireo dia naverina ary maneho fandodonana ho amin'ny hafatra manaraka. Izany dia natao indroa satria tena manan-danja tokoa ilay hafatra.
Io dia manondro an'i Babylona.
Io dia midika fa mifanalavitra ny vahoakan'ny Israely. Ny rivotra efatra dia manondro ny lafy efatry ny tany.
Io dia manondro ny renivohitry ny tanànan'i Babylona.
Milaza ny fomba nandefasan'i Yaveh mpitsara ireo firenena izay nandroba an'i Jerosalema taminy i Zakaria.
"nangalatra ireo zavatra tao Jerosalema taorian'ny nanafihana azy"
Ny teny hoe "mikasika" dia manondro ny fikasihana mba handratrana. DH: "fa na iza na iza mandratra anareo"
Ny anakandriamaso dia manondro ny faritra maizina anatin'ny voamaso izay ahafahan'ny olona mahita. Io dia faritra tena manan-danja sy sarotiny amin'ny vatana. Io andianteny io dia nampiasaina mba hilazana fa tena manan-danja amin'Andriamanitra tokoa i Jerosalema sady zavatra harovany.
Io dia fihetsika natao mba hanehoana fa efa nifidy ny handrava zavatra Andriamanitra. DH: "mampafantatra fa horavana izy ireo"
Efa voaroba ireo tanànan'izy ireo ary navela hisokatra mba hangalaran'ny olona izay zavatra tiany.
Io dia anaran'i Jerosalema hafa izay manondro ny tanàna tahaka ny zanaka vavin'ny tanànan'i Ziona any an-danitra.
mba hantsangana sy hitobiana
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
"ho tonga tsy mivadika amin'i Yaveh ireo firenena"
DH: "tamin'izany fotoana izany"
"Hataon'i Yaveh ho anjarany manokana amin'ny tany masina i Joda.
Tondroin'i Yaveh amin'ny filazany azy ireo hoe nofo ireo zava-manan'aina rehetra. Ny nofo dia zavatra izay hiraisana eo amin'ny zava-manan'aina rehetra.
Io andianteny io dia manondro ny nahatonga an'i Yaveh hanao zavatra teto an-tany.
nifoha na nanao fanairana kokoa
1 Avy eo Yaveh nampiseho ahy an'i Josoa ilay mpisoronabe izay nijoro nanoloana ny anjelin'i Yaveh sy Satana nijoro teo an-tanan-kavanany mba hiampanga azy ho nanota. 2 Hoy ilay anjelin'i Yaveh tamin'ny Satana hoe: "Hiteny mafy anao anie Yaveh, ry Satana; Yaveh, izay nisafidy an'i Jerosalema anie, hiteny mafy anao! Moa tsy forohana nosarihana tamin'ny afo ve ity?" 3 Niakanjo fitafiana maloto Josoa raha nijoro teo anoloan'ilay anjely. 4 Niresaka ilay anjely ary niteny tamin'ireo izay nijoro teo anoloany hoe: "Esory aminy ireo fitafiana maloto." Dia hoy izy tamin'i Josoa hoe: "Indro! Efa nesoriko taminao ny helokao ary hampiakanjoako akanjo tsara ianao." 5 Hoy izy hoe: "Aoka izy ireo hametraka hamama madio eo an-dohany!" Dia nametraka hamama madio teo ambony lohan'i Josoa izy ireo ary nampiakanjo azy tamin'ny akanjo madio raha nijoro teo akaiky teo ilay anjelin'i Yaveh. 6 Avy eo ilay anjelin'i Yaveh nibaiko am-pahamatorana an'i Josoa ary niteny hoe: 7 "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Raha handeha amin'ny lalako ianao, ary raha hitandrina ireo didiko ianao, dia hifehy ny tranoko ianao ary hiambina ny kianjako, satria havelako handeha sy hiditra eo amin'ireo izay mijoro manoloana Ahy ireo ianao. 8 Henoy, ry Josoa mpisoronabe, ianao sy ireo namanao izay monina miaraka aminao! Fa famantarana ireo olona ireo, satria Izaho mihitsy no hampiakatra ny mpanompoko ilay Rantsana. 9 Ary jereo ilay vato izay napetrako eo anoloan'i Josoa. Misy maso fito ao amin'io vato tokana io, ary hanao sokitra soratra Aho—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro— ary hanala ny fahotana amin'ity tany ity ao anatin'ny iray andro Aho. 10 Amin'izany andro izany— izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—ny olona tsirairay dia hanasa ny mpiara-belona aminy mba hipetraka ambanin'ny voalobony sy ambanin'ny hazon'aviaviny."
Maneho fahitana amin'i Zakaria i Yaveh.
DH: "Tahaka ny forohana avy amin'ny afo i Josoa"
Ny forohana dia tapa-kazo may izay nesorina tao amin'ny afo mialohan'ny hahamay izany tanteraka. Io dia manondro an'i Josoa, izay novonjena avy tamin'ny fahababona tany Babylona ary niverina tany Jerosalema.
Amin'io fahitana io ireo akanjo maloto dia nampiasaina mba ho famantarana hanehoana ny fanotana.
Eto ny akanjo tsara dia manambara ny fahamarinana.
tapa-damba lava mivalombalona manodidina ny loha
"nibaiko an'i Josoa tamin'ny fomba tena matotra tokoa"
Ny fandehanana amin'ny lalana mitovy dia manondro ny fanaovana zavatra mitovy ihany.
DH: "raha ho tsaroinao sy hankatoavinao ireo didiko"
"tompon'andraikitr'ireo kianjako"
Mbola manohy miresaka amin'i Josoa ny anjelin'i Yaveh.
DH: "ny mpisorona hafa izay miara-mipetraka aminao"
Ny fiantsoana hoe "Rantsana" dia tokony ho adika toy ny hoe sampan-kazo. Izany dia midika fa ho avy amin'i Yaveh tahaka ny sampana avy amin'ny hazo ny mpanompon'i Yaveh.
Izany dia, ireo lafiny fito.
teny izay nosoratana tamin'ny zavatra na nosokirina teo amin'ny zavatra
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
DH: "Tamin'izany fotoana izany" (UDB)
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
1 Avy eo nitodika ary nanaitra ahy toy ny olona tairina amin'ny torimasony ilay anjely izay niresaka tamiko. 2 Hoy izy tamiko hoe: "Inona no hitanao?" Dia hoy aho hoe: "Mahita fanaovan-jiro vita amin'ny volamena tanteraka aho, miaraka amin'ny fitoeran-diloilo eo an-tampony. Misy lela fanaovan-jiro fito eo amin'izany ary misy fantsona fito eo an-tampon'ny lahin-jiro tsirairay. 3 Misy hazon'oliva roa eo anilan'izany, iray eo amin'ny ilany amin'ny tanan-kavanan'ny fitoeran-diloilo ary ilay hafa eo amin'ny ilany an-kavia." 4 Noho izany dia niresaka tamin'ilay anjely izay niresaka tamiko indray aho. Hoy aho hoe: "Inona no dikan'ireo zavatra ireo, ry tompoko?" 5 Namaly ahy ilay anjely izay niresaka tamiko ary nanao tamiko hoe: "Tsy fantatrao ve ny dikan'ireo zavatra ireo?" Dia hoy aho hoe: "Tsia, ry tompoko." 6 Noho izany dia hoy izy tamiko hoe: "Izao no tenin'i Yaveh tamin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amin'ny tanjaka, fa amin'ny Fanahiko, hoy Yaveh tompon'ny maro. 7 Inona moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan'i Zerobabela ianao, ary hitondra ny vato atao tendrony izy mba hihiaka hoe: "Fahasoavana! Fahasoavana ho amin'izany!"' 8 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 9 "Nametraka ny fototr'ity trano ity ny tanan'i Zerobabela ary hamita izany ny tanany. Dia ho fantatrao fa Yaveh tompon'ny maro no naniraka ahy ho aminao. 10 Iza no nanao tsinontsinona ny andron'ireo zavatra madinika? Hiravo ireo olona ireo ary hahita ny vato pilao eny an-tanan'i Zerobabela. (Ireo lahin-jiro fito ireo no mason'i Yaveh izay mijery an'izao tontolo izao.)" 11 Avy eo dia nanontany an'ilay anjely aho hoe: "Inona ireo hazon'oliva roa izay mitsangana eo an-kavia sy an-kavanan'ny fanaovan-jiro ireo?" 12 Nanontany azy indray aho hoe: "Inona ireo sampan-kazon'oliva roa akaikin'ireo fantsona volamena roa izay misy diloilo volamena miraraka avy eo aminy ireo?" 13 Avy eo dia hoy izy tamiko hoe: "Tsy fantatrao ve hoe inona ireo?" Hoy aho hoe: "Tsia, ry tompoko." 14 Noho izany dia hoy izy hoe: "Ireo no zana-diloilo vaovao izay mitsangana manoloana ny Tompon'izao tontolo rehetra izao."
"nahatonga ahy ho lasa mailo kokoa tahaka ny lehilahy tairina amin'ny torimasony"
ny tapany amin'ny fanilo izay nampirehetana ny jiro
DH: "ny lafy havian'ny lovia jobo"
Ny anjely izay miresaka amin'i Zakaria dia manohy manazava ny fahitana.
Io dia anaran-dehilahy.
Ireo mety ho heviny dia 1) hoe ny teny hoe "hery" sy "tanjaka" dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry ny haben'ny herin'i Zerobabela, 2) hoe ny teny hoe "hery" dia manondro ny herin'ny miaramila ary ny teny hoe "tanjaka" dia manondro ny fahafahan'i Zerobabela ara-batana. DH: "Tsy amin'ny herinao manokana tokoa" na "Tsy amin'ny herin'ny miaramila na amin'ny tanjakao ihany."
Mametraka io fanontaniana io amin'ny tendrombohitra i Yaveh, mba hanondroana fa amin'ny alalan'ny Fanahin'i Yaveh, dia tsy hahery mba handresy an'i Zerobabela na dia ny tendrombohitra aza. DH: "Ry tendrombohitra lehibe, na dia ianao aza dia malemy oharina amin'i Zerobabela."
Ny tendrom-bato dia izay vato apetraka farany rehefa manangan-javatra.
Ny anjely izay miresaka amin'i Zakaria dia manohy manazava ny fahitana.
"Niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:1.
Nanara-maso ny fananganana ny tempoly i Zerobabela. Ny fananganana dia tondroina toy ny hoe "ny tanany" na dia tsy nametraka ireo vato akory aza ny tanany.
Ny fototra dia fiorenan'ny trano ary ampahany voalohany amin'ny tetikasam-pananganana. DH: "nanomboka ny fananganana"
Io fanontaniana io dia tsy napetraka mba hahazoana valiny fa mba hilazana ny olona mba tsy hanaovany tsinontsinona ny "andron'ireo zavatra madinika".
Io andianteny io dia fiantsoana ny fe-potoana izay anaovana ireo asa tsotra isan'andro. Raha mitambatra, dia mahavita ny tempoly ireo asa madinika ireo. Ny androtokon'ny fananganana dia tondroina toy ny andro iray na dia nilàna taona vitsivitsy aza ny hamitana izany.
Vato izay nifandray tamin'ny tady. Io dia nampiasaina mba hamaritana raha namboarina mahitsy tsara na mivilambilana ireo mandan'ny trano.
Ny fitoeran-jiro fito dia endriky ny mason'i Yaveh.
Ny teny hoe "maso" dia manondro ny fahitan'Andriamanitra satria ny maso dia natao mba hijerena.
"sodina volamena roa"
"Tokony ho fantatrao hoe inona ireo zavatra ireo, nefa tsy fantatrao."
Io dia fomba kanto hilazana hoe: "lehilahy voahosotra (izay, voafidy)."
Io fiteny io dia midika hoe manompo. DH: "manompo ny Tompo"
1 Dia nitodika aho ka nampiandrandra ny masoko, ka nahita, indro, horonan-taratasy manidina! 2 Hoy ilay anjely tamiko hoe: "Inona no hitanao?" Dia namaly aho hoe: "Horonan-taratasy manidina no itako, roapolo hakiho ny halavany ary folo hakiho ny sakany." 3 Dia hoy izy tamiko hoe: "Ity no ozona izay mivoaka manerana izao tontolo izao, fa ny mpangalatra rehetra dia ho fongorina manomboka izao izay mifototra amin'izay lazainy amin'ny andaniny, ary izay rehetra milaza fianianana diso dia ho fongorina izay mifototra amin'izay lazainy amin'ny ankilany, araka ny tenin'izy ireo. 4 "Ho havoakako izany—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—koa hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy ao amin'ny tranon'izay mianiana diso amin'ny anarako izany. Hitoetra ao an-tranony izany ary hanimba ny hazony sy ireo vatony." 5 Dia nivoaka ilay anjely izay niresaka tamiko ary niteny tamiko hoe: "Asandrato ny masonao ka jereo izay tonga eo" 6 Dia hoy aho hoe: "Inona iny?" Dia hoy izy hoe: "Harona misy efaha iny tonga iny. Ity no helok'izy ireo amin'ny tany manontolo." [1]7 Dia nalàna tamin'ny harona ny firaka fandrakofana ary nisy vehivavy tao ambanin'izany izay nipetraka tao! 8 Dia niteny ilay anjely hoe: "Faharatsiana ity!" Natsipiny tao anaty harona indray izy, ary natsipiny teo amin'ny fisokafany ilay firaka fandrakofana. 9 Nampiandrandra ny masoko aho ary nahita vehivavy roa manatona ahy, ary ny rivotra dia teny amin'ny elatr'izy ireo—fa nanana elatra tahaka ny elatry ny vano izy ireo. Nampisandratra ny harona teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra izy ireo. 10 Ka niteny tamin'ilay anjely izay niresaka tamiko aho hoe: "Ho entin'izy ireo mankaiza ny harona?" 11 Dia hoy izy tamiko hoe: "Hanamboarana tempoly any amin'ny tanin'i Sinara ho an'izany, ka rehefa vonona ny tempoly, dia hampitoerina any eo amin'ny fototra voahomana ho azy ilay harona."
Ny teny hoe "aho" dia manondro an'i Zakaria.
Io dia midika hoe mijery zavatra ambony. Hoy izy: "Nampiandrandra ny masoko aho" satria izany no faritra amin'ny vatana izay hijerena. DH: "nijery ambony"
Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa gaga tamin'izay hitany i Zakaria.
Ny hakiho iray dia 46 santimetatra.
Manohy miresaka amin'i Zakaria ilay anjely.
"mifototra amin'izay voasoratra ao amin'ny horonana ao amin'ny lafiny iray"
"izay lazain'ny horonana voasoratra amin'ny lafiny iray hafa"
Ny andianteny hoe "ny tenin'izy ireo" dia manondro izay nolazaina tao amin'ny fianianan'izy ireo. DH: "araka izay nolazain'izy ireo"
Ny teny hoe "izany" dia manondro ny ozona.
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
Io dia manondro ny fianakavian'ilay olona sy ny zavatra rehetra izay ananan'izy ireo.
"ilay olona izay mianiana"
hazo ampiasaina amin'ny fananganana
Io andianteny io dia mandidy olona iray mba hijery ambony amin'ny fanondroana ny mason'izy ireo.
Io dia manondro ny fandrakofana mavesatra. Ny firaka dia vy mavesatra.
Tsy antonona ara-bakiteny ao anatin'ny harona amin'izany habe izany ny vehivavy iray. Fa ao amin'ny fahitan'i Zakaria kosa, dia antonona tao amin'ny harona izany. Amin'ny fahitana matetika dia hitarina ny haben-javatra. Ny harona sy ny vehivavy dia samy famantarana ary manambara zavatra hafa.
Ilay vehivavy dia manambara ny faharatsiana. DH: "Faharatsiana no anarany"
Io andianteny io dia manoritsoritra ny fomba nampiasan'ireo vehivavy ny elatr'izy ireo mba holanjain'ny rivotra ka hanidina.
Nanana elatra izay niendrika toy ny elatry ny vano ireo vehivavy. Ny vano dia karazana vorona lava izay manana velaran'elatra 2 ka hatramin'ny 4 metatra.
Nasandratra tany an-danitra ilay harona. Lazaina hoe "teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra" izany mba hisarihina ny saina ho amin'izy ireo sy hanehoana fa misy hifandraisany amin'izy ireo ilay harona.
"Aiza no hitondran'ireo vehivavy ny barika?"
"ary rehefa vonona ny tempoly, dia hapetraka eo amin'ny toerana nomanina ho an'izany ilay barika"
1 Dia nitodika aho ary nampiandrandra ny masoko ka nahita kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan'ny tendrombohitra roa; ary ireo tendrombohitra roa ireo dia vita avy tamin'ny varahina. 2 Ny kalesy voalohany dia nanana soavaly mena, ny kalesy faharoa nanana soavaly mainty, 3 ny kalesy fahatelo nanana soavaly fotsy ary ny kalesy fahefatra dia nanana soavaly sada fotsy. 4 Dia namaly aho ka niteny tamin'ilay anjely niresaka tamiko hoe: "Inona ireo, ry tompoko?" 5 Namaly ilay anjely ka niteny tamiko hoe: "Ireo no rivotra efatry ny lanitra izay nivoaka teo amin'ny toerana izay nitsanganan'izy ireo teo anoloan'ilay Tompon'ny tany rehetra. 6 Ilay iray izay miaraka amin'ny soavaly mainty dia mivoaka mankany amin'ny firenena avaratra; ireo soavaly fotsy dia mivoaka mankany amin'ny firenena andrefana; ary ireo soavaly sada fotsy dia mivoaka mankany amin'ny firenena atsimo." 7 Ireo soavaly matanjaka ireo dia nivoaka ary nitady handeha sy hirenireny eny amin'ny tany, ka hoy ilay anjely hoe: "Mandehana mirenireny eny amin'ny tany!" ary nandeha nirenireny eran'ny tany rehetra izy ireo. 8 Dia nitaraina tamiko izy ka niresaka tamiko ary nanao hoe: "Jereo ireo izay mivoaka ho any amin'ny firenena avaratra; hampitony ny fanahiko mahakasika ny firenena avaratra izy ireo." 9 Ary tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 10 "Makà fanatitra amin'ireo tany an-tsesitany—avy any Helday, Tobia, ary Jedaia—ary mandehana amin'izany andro izany ihany ary alaivo ao an-tranon'i Josia zanak'i Zefania, izay avy tany Babylona izany. 11 Dia alaivo ny volafotsy sy volamena, manaova satro-boninahitra ary apetraho eo amin'ny lohan'i Josoa zanaka lahin'i Jozadaka, ilay mpisoronabe izany. 12 Miresaha aminy ary lazao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ity lehilahy ity, ny anarany dia Rantsana! Hitombo eo amin'ny misy azy izy sady hanorina ny tempolin'i Yaveh! 13 Izy no hanorina ny tempolin'i Yaveh ary hanangana avo ny famirapiratan' izany; dia hipetraka sy hanapaka eo amin'ny seza fiandrianany izy. Ho mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany izy ary hisy ny fahazavan-tsain'ny fiadanana eo amin'izy roa. 14 Hapetraka eo amin'ny tempolin'i Yaveh ny satro-boninahitra hanomezam-boninahitra an'i Helema, Tobia, sy Jedaia ary ho fahatsiarovana ny hatsaram-panahin'ny zanaka lahin'i Zefania. 15 Ary ireo izay lavitra dia ho tonga sy hanorina ny tempolin'i Yaveh, ka ho fantatrao fa Yaveh tompon'ny maro no naniraka ahy ho aminareo; fa hitranga izany raha tena mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo!"'
Io dia midika hoe mijery zavatra ambony. DH: "nijery ambony"
"ireo tendrombohitra roa dia varahina"
"kalesy faha-1...kalesy faha-2"
Azavain'ilay anjely fa ireo kalesy misy soavaly dia famantarana ireo rivotra efatry ny lanitra.
Ny teny hoe "rivotra" dia manondro ny: avaratra, atsinanana, atsimo, ary andrefana. Na izany aza, dia mandika io fiteny Hebreo io mba hilazana hoe "fanahy efatra" ireo dikan-teny vaovao sasany.
Mandika io andianteny Hebreo io mba hilazana hoe "ireo soavaly fotsy dia natory taorian'izy ireo" ireo dikan-teny vaovao sasany.
"Jereo ireo soavaly mainty"
"Niteny ireo teniny i Yaveh." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:1.
Ireo dia anaran-dehilahy.
DH: Dia ampiasao hanamboarana satro-boninahitra ny volafotsy sy ny volamena.
Io dia tsy ilay lehilahy izay mpanampy an'i Mosesy; fa ilay mpisoronabe tao amin'ny bokin'i Hagay.
DH: "Niteny tamin'ilay anjely mba hiresaka amin'i Zakaria i Yaveh ka hanao hoe"
Nomen'ilay anjelin'i Yaveh io anarana io i Josoa mpanjaka vaovao. Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:8 ihany io anarana io.
Ny teny hoe "mitombo" dia teny sarin'ny rantsana izao manomboka mitsimoka. DH: "Hitsimoka izy"
Ireo mety ho heviny dia 1) "nampitombo ny famirapiratan'ny tempoly na 2) "nanangana avo ary nampitafy famirapiratana ho an'ny tempoly mba ho an'ny tenany tahaka ny olona manao akanjo"
DH: "ho tafaray ireo andraikitry ny mpanjaka sy mpisorona"
DH: "Hametraka satro-boninahitra ao amin'ny tempoliko Aho"
Ny teny hoe "satro-boninahitra" dia manondro mpanjaka iray fa manao satro-boninahitra ny mpanjaka.
Io andianteny io dia manondro ny mpanjaka sady mpisorona ihany koa, fa manompo ao an-tempoly ny mpisorona.
Jereo ny nandikana ireo anarana ireo tao amin'ny 6:9.
Ireo dikan-teny sasany vaovao dia mandika io andianteny io hoe "ho fahatsiarovana an'i Hena, zanak'i Zefania" na "ho fahatsiarovana ilay tsara fanahy, dia ilay zanaka lahin'i Zefania." Ireo dikan-teny sasany vaovao ihany koa dia mandika ny anarana hoe "Hena" hilazana ny anarana hoe "Josia."
Io dia manondro ireo Israelita izay nijanona tany Babylona.
Ny hoe "-nao" dia manondro ny vahoakan'Israely.
"miheno amin-kitsimpo
1 Tamin'i Dariosa mpanjaka no mpanapaka nandritry ny efa-taona, tamin'ny andro fahefatra nanjakan'i Kisleva (izay volana fahasivy), dia tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Yaveh. 2 Nandefa an'i Serezera sy Regema-meleka ary ireo olony ny vahoakan'i Betela mba hiangavy anoloan'ny tavan'i Yaveh. 3 Niresaka tamin'ireo mpisorona izay tao an-tranon'i Yaveh tompon'ny maro sy tamin'ireo mpaminany izy ireo; hoy izy ireo hoe: "Tokony hisaona amin'ny alalan'ny fifadian-kanina ve aho amin'ny volana fahadimy, tahaka izay efa nataoko taona maro ireny?" 4 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh tompon'ny maro, nanao hoe: 5 "Mitenena amin'ny mponin'ny tany rehetra sy amin'ireo mpisorona ka ataovy hoe: 'Raha nifady hanina sy nisaona tamin'ny volana fahadimy sy fahafito ianareo nandritr'izay fito taona izay, moa ve nifady hanina ho Ahy marina ianareo? 6 Raha nihinana sy nisotro ianareo, moa ve tsy nisotro sy nihinana ho an'ny tenanareo ianareo? 7 Moa ve tsy ireo teny ireo ihany no nambaran'i Yaveh tamin'ny vavan'ireo mpaminany taloha, raha mbola nonina tao Jerosalema sy ireo tanàna nanodidina tamin'ny fanambinana ary nitoetra tao Negeva, sy ireo lemaka amoron-tsiraka any andrefana ianareo?"' 8 Tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 9 "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: 'Mitsarà amin'ny fitsarana marina, fanekena mahatoky, ary famindram-po. Aoka ny olona tsirairay hanao izany amin'ny rahalahiny. 10 Ny amin'ny mpitondratena sy kamboty, ny vahiny, ary ny olona mahantra—aza mampahory azy ireo, ary aoka tsy hisy aminareo hitetika hanisy ratsy ny hafa ao am-ponareo.' 11 Nefa nandà ny hihaino izy ireo ary nanamafy ny sorok'izy ireo. Nanakatona ny sofiny izy ireo mba tsy handre. 12 Nanamafy ny fony tahaka ny vato izy ireo mba tsy handre ny lalàna na ireo tenin'i Yaveh tompon'ny maro. Nandefa ireo hafatra ireo ho an'ny vahoaka tamin'ny alalan'ny Fanahiny tamin'ny fotoana taloha, tamin'ny alalan'ny vavan'ireo mpaminany Izy. Nefa nandà ny hihaino ny vahoaka, ka tezitra mafy tamin'izy ireo Yaveh tompon'ny maro. 13 Ary rehefa niantso Izy, dia tsy nihaino izy ireo. Tahaka izany ihany," hoy Yaveh tompon'ny maro, "no hiantsoan'izy ireo mafy Ahy, fa tsy hihaino Aho. 14 Fa haeliko amin'ny tadio any amin'ireo firenena rehetra izay tsy mbola hitany izy ireo, ary ho lao manaraka azy ireo ny tany. Fa tsy misy olona handalo amin'ny tany na hiverina ao amin'izany satria efa namadika ny tanin'izy ireo mahafinaritra ho tany ngazana ny vahoaka."
"tamin'ny taona fahefatra fony vao lasa mpanjaka i Dariosy"
"Kisleva" dia volana fahasivy amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahefatra dia akaikin'ny faran'ny Novambra amin'ny tetiandro Tandrefana.
"Niteny ireo teniny i Yaveh." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:1.
Ireo dia anaran-dehilahy.
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro an'i Serezera sy Regema-meleka.
Nifady hanina nandritra ny tapany amin'ny volana fahadimy amin'ny tetiandro Hebreo ny vahoaka Jiosy satria tamin'izany no nandravan'ireo Babyloniana ny tempoly tao Jerosalema. Ny volana fahadimy dia mandritra ny tapany faran'ny Jolay sy ny tapany voalohan'ny Aogositra amin'ny tetiandro Tandrefana.
Nisaona nandritra ny tapan'ny volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo ireo Jiosy satria tamin'izany volana izany no nandosiran'ireo Jiosy sisa tany Egypta taorian'ny namonoana an'i Gedalia, izay notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho governoran'i Joda. Ny volana fahafito dia mandritra ny tapany faran'ny Septambra sy ny tapany voalohan'ny Oktobra tamin'ny tetiandro Tandrefana.
Efa andevo tany Babylona nandritra ny 70 taona ny vahoakan'Israely.
Io andianteny io dia manondro ny fotoana nihinanan'izy ireo sy nisotroany tamin'ny lanonana mba hanomezam-boninahitra ny namatsian'i Yaveh azy ireo.
Io fanontaniana io dia nampiasaina mba hiampangana ny vahoakan'Israely tamin'ny tsy nanomezam-boninahitra an'i Yaveh rehefa nifady hanina izy ireo. DH: "tsy nifady hanina mba hanomezam-boninahitra Ahy ianareo"
Io fanontaniana io dia nampiasaina mba hiampangana ny vahoakan'Israely izay nankalaza ny lanonana tamin'ny tsy nanomezany voninahitra an'Andriamanitra tamin'ny lanonan'izy ireo. DH: "ho an'ny tenanareo no nihinananareo sy nisotroanareo"
Tondroin'i Zakaria amin'ny fanondroany ny faritry ny vatan'izy ireo izay nilaza ny hafatr'i Yaveh ireo mpaminany taloha. DH: "Nambaran'i Yaveh tamin'ny alalan'ireo mpaminany taloha"
Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fehezanteny. "Ireo ihany tokoa no teny...any andrefana."
"nipetraka tao"
Ireo dia havoana kely izay eo alohan'ny hahatongavanao eo an-tendrombohitra.
"Nilaza ny teniny i Yaveh." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:1.
Ny teny hoe "izany" dia manondro ny fomba tokony hitsaran'ny olona iray.
vehivavy maty vady
zaza maty ray aman-dreny
olona izay mandeha miala ao amin'ny taniny ho any amin'ny tany hafa
"aza manao tetika mba hanaovana ratsy"
DH: "tahaka ny biby fiompy izay nandà ny ho zogaina izy ireo" na "tahaka ny biby fiompy izay nandà ny hankatoa izy ireo"
"Nanidy ny sofiny izy ireo"
DH: "Nanapa-kevitra ny handà ireo hafatr'i Yaveh izy ireo"
DH: "tamin'ny tenin'ireo mpaminany"
DH: "Haeliko tahaka ny anelezan'ny tadio ny ravina izy ireo"
rivotra mahery izay mihodikodina rehefa mandeha, ka manely ireo zavatra rehetra manodidina
1 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh tompon'ny maro, nanao hoe: 2 "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Tia fatratra an'i Ziona amin'ny zotom-po lehibe Aho ary saropiaro nohon'ny aminy amin'ny hatezerana lehibe Aho! 3 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: hiverina any Ziona Aho ary hitoetra ao afovoan'i Jerosalema, fa efa nantsoina hoe ilay Tanànan'ny Fahamarinana i Jerosalema ary ny tendrombohitr'i Yaveh tompon'ny maro dia ho antsoina hoe Ilay Tendrombohitra Masina! 4 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Lahy antitra sy vavy antitra indray no ho eny an-dalam-ben'i Jerosalema, ary ny olona tsirairay hila tehana ho eny an-tanany satria efa niha-antitra izy. 5 Ho feno tovolahy sy tovovavy milalao eny amin'ireo lalam-ben'ny tanàna. 6 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Amin'izany andro izany raha misy zavatra tsy hay atao eo imason'ireo vahoaka sisa tavela, dia tokony tsy ho hay atao eo imasoko koa ve izany? —izany no fanambaran'i Yaveh. 7 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Indro, eo an-dalam-panavotana ny oloko amin'ny tany fiposahan'ny masoandro Aho ary eo amin'ny tany filentehan'ny masoandro! 8 Fa hitondra azy ireo hiverina Aho, ary honina ao afovoan'i Jerosalema izy ireo, mba ho vahoakako indray izy ireo, ary ho Andriamanitr'izy ireo amin'ny marina sy amin'ny fahamarinana Aho! 9 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ianao izay manohy mihaino ireo teny mitovy izay nivoaka avy tamin'ny vavan'ny mpaminany rehefa napetraka ny fototry ny tranoko—ity tranoko ity, Yaveh tompon'ny maro: Atanjaho ireo tananao mba ho voatsangana ny tempol. 10 Fa talohan'izany andro izany dia tsy nisy vokatra voaangon'ny olona, tsy nisy tombony na ho an'ny olona na ho an'ny biby, ary tsy nisy fiadanana ho an'izay olona mivoaka na miditra avy tamin'ireo fahavalo. Efa nametraka ny olona tsirairay hanohitra ny namany Aho. 11 Fa ankehitriny izany dia tsy ho toy ny tamin'ny andro fahiny, homba ny sisan'ity vahoaka ity Aho— izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro. 12 Fa hafafy ny voan'ny fiadanana; dia hanome ny voany ny hazo voaloboka ary ny tany hanome ny vokam-pamboleny; hanome ny andony ny lanitra, fa hampandovaiko izany zavatra rehetra izany ny sisa amin'ity vahoaka ity. 13 Ohatra ho an'ireo firenen'ny ozona hafa ianareo, ry taranak'i Joda sy taranak'Israely. Koa dia hamonjy anareo Aho ary ho fitahiana ianareo. Aza matahotra; aoka hatanjaka ny tananareo! 14 Fa izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: tahaka ny nanomanako hanao ratsy aminareo rehefa nampatezitra Ahy ireo razambenareo—hoy Yaveh tompon'ny maro—ary tsy nilefitra Aho, 15 no hanomanako hanao zavatra tsara indray ho an'i Jerosalema sy ny taranak'i Joda ihany koa amin'izany andro izany! Aza matahotra! 16 Ireto no zavatra izay tsy maintsy hataonareo: Milazà ny marina, ny olona tsirairay amin'ny namany. Mitsarà amin'ny marina, rariny, ary fiadanana eo amin'ny vavahadinareo. 17 Aza manao fikasan-dratsy ao am-ponareo amin'ny hafa, ary aza mitia fianianan-diso—satria mankahala ireo zavatra ireo Aho! —izany no fanambaran'i Yaveh." 18 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh tompon'ny maro, manao hoe: 19 "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ny fifadian-kanina amin'ny volana fahefatra, volana fahadimy, volana fahafito, ary ny volana fahafolo dia ho lasa fotoanan'ny fifaliana, firavoravoana, ary fotoana mahafinaritra ho an'ny tarakan'i Joda! Noho izany tiavo ny fahamarinana sy ny fiadanana! 20 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ho tonga indray ny vahoaka, na dia ireo izay monina amin'ireo tanàna maro samihafa aza. 21 Handeha ho any amin'ny tanàna hafa ny mponin'ny tanàna iray ka hanao hoe: "Aoka handeha faingana eo anoloan'i Yaveh isika ka hitady an'i Yaveh tompon'ny maro! Handeha ihany koa isika. 22 Vahoaka maro sy firenena mahery maro no ho tonga hitady an'i Yaveh tompon'ny maro any Jerosalema ary hiangavy ny fankasitrahan'i Yaveh! 23 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Amin'izany andro izany dia lehilahy folo avy amin'ny fiteny sy firenena rehetra no hiazona ny sisin'ny akanjonao ary hiteny hoe: 'Aoka hiaraka aminao izahay, fa efa renay fa momba anao Andriamanitra!'"
Hoy i Yaveh tompon'ny maro tamiko
DH: "Feno hatezerana noho ny amin'i Ziona Aho"
Io dia manondro ny Tendrombohitra Ziona.
Eto ny hoe "Masina" dia midika hoe "An'i Yaveh."
"nipetraka tany Jerosalema"
Ny fananana vintana ho tratra antitra dia famantarana ny fiadanana sy fanambinana.
Ho feno olona izay manao ny asa fanaony ireo toerana ikambanana.
"Raha misy zavatra toa tsy hay atao"
DH: "ny vahoakan'i Joda izay velona"
Mametraka io fanontaniana io Andriamanitra mba handresen-dahatra ny vahoakany mba hatoky ireo fampanantenany. DH: "Amiko dia ho hay atao tokoa izany!"
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
"Efa hanavotra an'i Joda vahoakako izay lasa sesitany Aho"
DH: "rehefa napetraka tamin'ny toerany ny fototry ny tempoliko" na "rehefa nanangana ny fototry ny tranoko ianareo"
DH: "Miasà mafy"
DH: "Talohan'ny nanombohanareo nanangana ny tempoly indray"
DH: "tsy nisy vokatra ho jinjaina"
Tsy nilain'ny olona sy ny bibin'izy ireo ny hamboly ny tany, satria tsy nahazo sakafo tamin'izany akory izy ireo.
"toy ny tamin'ny taloha"
DH: "Ankehitriny dia hitahy ireo vahoaka ireo Aho" na "Ankehitriny dia ho tsara fanahy amin'ireo vahoaka ireo Aho"
DH: "Hampiadaniko ny vahoaka."
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
DH: "hisy vokatra tsara any an-tsaha"
Ny ando matetika dia famantarana ny fanambinana. DH: "hisy orana betsaka"
DH: "hanana ireo zavatra rehetra ireo amin'ny fotoana rehetra"
DH: "Fony nanafay anareo Aho, dia fantatr'ireo firenen-kafa izay mitranga rehefa manozona olona Aho"
"taranak'i Joda sy Israely"
DH: "miasà mafy"
"hanafay anareo"
"tsy nanapa-kevitra ny hanena ny famaizana azy ireo"
Ny hoe "-nareo" dia manondro ny vahoakan'i Joda.
DH: "Milazà ny marina amin'ny olon-drehetra"
DH: "Tsarao am-pahamarinana ny fifandirana ao amin'ny toeram-pitsaranao mba ahafahan'ny olona miara-miaina am-piadanana"
DH: "aza manaiky raha misy olona milaza lainga amin'ny raharaham-pitsarana"
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
Ny hoe "tamiko'' dia manondro an'i Zakaria.
Nisaona nandritra ny tapan'ny volana fahefatra amin'ny tetiandro Hebreo ireo Jiosy satria tamin'izany no nidiran'ireo Babyloniana tamin'ireo mandan'i Jerosalema. Ny volana fahefatra dia mandritra ny tapany faran'ny Jona sy ny tapany voalohan'ny Jolay amin'ny tetiandro Tandrefana.
Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 7:1.
Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 7:4.
Nisaona nandritra ny tapan'ny volana fahafolo amin'ny tetiandro Hebreo ireo Jiosy satria tamin'izany no nanombohan'ireo Babyloniana nanao fahirano an'i Jerosalema. Ny volana fahafolo dia mandritra ny tapany faran'ny Desambra sy ny tapany voalohan'ny Janoary amin'ny tetiandro Tandrefana.
"Ho tonga any Jerosalema indray ny vahoaka"
"Vahoaka maro no ho tonga, anisan'izany ny olona avy amin'ireo firenena lehibe"
"hiazona ny akanjonao mba hisarihana ny sainao"
"Aoka re mba handeha ho any Jerosalema miaraka aminao izahay"
"Momba anao vahoaka Andriamanitra"
1 Izao no fanambaran'ny tenin'i Yaveh mahakasika ny tanin'i Hadraka sy Damaskosy. Fa ny mason'i Yaveh dia amin'ny olombelona rehetra, ary koa amin'ny fokon'Israely rehetra. 2 Ity fanambarana ity ihany koa dia mahakasika an'i Hamata, izay mifanolotra amin'i Damaskosy, ary mahakasika an'i Tyro sy Sidona izany, na dia tena hendry aza izy ireo. 3 Efa nanorina fiarovana mafy ho an'ny tenany i Tyro ary nanangona volafotsy tahaka ny vovoka sy volamena voadio tahaka ny fotaka eny an-dalana. 4 Indro! hanafoana azy Andriamanitra ary hanimba ny tanjany an-dranomasina, mba ho levon'ny afo izy. 5 Hahita i Askelona ka hatahotra! Hangovitra mafy ihany koa i Gaza! Ekrona, ho foana ny fanantenany! Ho faty any Gaza ny mpanjaka, ary i Askelona dia tsy hisy mponina intsony! 6 Hanao ny tranony ao Asdoda ireo vahiny, ary hanafoana ny fireharehan'ireo Filistina Aho. 7 Fa hanala ny ràn'izy ireo avy eo amin'ny vavany Aho ary ny fahavetavetan'izy ireo eo anelanelan'ny nifiny. Ary dia ho lasa sisa ho an'ny Andriamanitsika tahaka ny foko any Joda izy ireo, ary Ekrona dia ho lasa tahaka ireo Jebosita. 8 Hitoby manodidina ny taniko Aho mba hanohitra ireo miaramilan'ny fahavalo ka tsy hisy na iray aza afaka mandroso na miverina, fa tsy hisy mpampahory handalo eo amin'izany intsony. Fa ankehitriny dia hiambina ny taniko amin'ny masoko Aho! 9 Mihobia amin'ny fifaliam-be, ry zanaka vavin'i Ziona! Mihobia am-pifaliana, ry zanaka vavin'i Jerosalema! Indro! Tonga amim-pahamarinana aminao ny mpanjaka ary manavotra anao. Manetry tena izy ka mitaingina eo amin'ny boriky, eo ambony zana-boriky. 10 Ary ho foanako ny kalesy avy any Efraima sy ny soavaly avy any Jerosalema, ary ny tsipìka dia ho foanana amin'ny ady; fa hilaza fiadanana amin'ireo firenena izy, ary ny fanapahany dia ho avy amin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faravazan-tany! 11 Raha ny aminareo, nohon'ny ràn'ny fanekeko ao aminareo, dia hafahako avy ao an-davaka izay tsy misy rano ireo gadranareo. 12 Miverena any amin'ny fiarovana mafy, ry gadran'ny fanantenana! Eny na dia anio aza dia manambara Aho fa hanonitra avo roa heny aminareo, 13 fa efa nanenjana an'i Joda ho tsipìkako Aho. Efa namahana ny zana-tsipìkako tamin'ny Efraima Aho. Efa nanaitra ireo zanakareo lahy Aho, ry Ziona, hanohitra ireo zanakareo lahy, ry Grisia, ary efa nanao anareo tahaka ny sabatry ny mpiady Aho, ry Ziona! 14 Hiseho amin'izy ireo i Yaveh, ary hitifitra tahaka ny tselatra ny tsipìkany! Fa Yaveh Tompoko hitsoka trompetra ary handroso avy amin'ny tafio-drivotra avy any Temana. 15 Yaveh tompon'ny maro no hiaro azy ireo, ary handevona azy ireo sy handresy ny vaton'antsamotadiny ireo. Ary dia hisotro izy ireo ary hidradradradra tahaka ny olona mamon'ny divay, ary ho feno divay tahaka ireo lovia izy ireo, tahaka ireo zoron'ny alitara. 16 Koa amin'izany andro izany dia hamonjy azy ireo i Yaveh Andriamaniny; dia ho tahaka ny ondrin'ny vahoakany izy ireo, fa izy ireo no ho firavaky ny satro-boninahitra, hisandratra eo amin'ny taniny. 17 Fa akory ny hasoany sy hatsaran-tarehin'izy ireo! Haniry eo amin'ny vary ny tovolahy ary ny virijiny eo amin'ny voaloboka mamy!
DH: "Izao no hafatr'i Yaveh momba ny"
DH: "ny vahoakan'ny tanin'i Hadraka sy ny tanànan'i Damaskosy
DH: "Fa mijery ny olon-drehetra i Yaveh" Na izany aza, ireo dikan-teny sasany dia mandika io andalana io hoe "eo amin'i Yaveh mason'olombelona sy ireo an'ireo fokon'Israely".
DH: "ny vahoakan'ny tanin'i Hamata"
DH: "ny vahoakan'ny tanin'i Tyro sy Sidona"
Mety tsy tena hoe hendry ny vahoakan'i Hamata no tian'i Zakaria ambara. DH: "na dia heverin'izy ireo fa hendry aza izy ireo"
Eto ny tanànan'i Tyro dia natao sary tahaka ny vehivavy iray. DH: "nanangana fiarovana mafy" na "nanangana manda avo"
DH: "nanangona volafotsy sy volamena maro tahaka ny tany eny an-dalana"
DH: "Tandremo! Haka ireo fananan'i Tyro ny Tompo"
DH: "ary hanimba ireo sambon'i Tyro izay hiadian'ny lehilahy an-dranomasina"
DH: "ary handoro ny tanàna amin'ny tany"
"hahita an'i Tyro ravaina"
DH: "Haka an'i Asdoda ary honina ao ireo vahiny"
DH: "Tsy hataoko mirehareha amin'ny tenan'izy ireo intsony ireo Filistina"
Io dia manondro ny hena izay misy rà ao amin'izany, sy ny hena natolotra ho an'ireo sampy. Ataon'ny UDB mazava tsara izany. DH: "Tsy hamela azy ireo hihinan-kena izay mbola mandeha rà Aho, ary tsy hamela azy ireo hihinana sakafo izay natolotra ho an'ireo sampy" (UDB)
Miresaka ny tenany toy ny hoe tafika Andriamanitra. DH: "Hiaro ny taniko Aho" (UDB).
Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary manamafy ny didy ny mba hiobiana.
Ny "Ziona" dia mitovy amin'ny "Jerosalema" ihany. Resahin'ny mpaminany toy ny hoe zanaka vavy ny tanàna. Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "zanaka vavin'i Ziona" ao amin'ny 2:10.
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manondro biby iray. Ny andianteny faharoa dia manazava fa io dia zanaka boriky. DH: "teo amin'ny zana-boriky."
DH: "hosimbaiko ireo kalesy any Israely izay nampiasaina tamin'ny ady"
DH: "ireo soavaly fentina miady izay any Jerosalema"
Eto ny tsipìka dia manambara ireo fitaovam-piadiana rehetra nampiasaina tamin'ny ady. DH: " hosimbaina avokoa ireo fitaovam-piadiana amin'ny ady rehetra"
Eto ny fanambarana fiadanana dia manambara ny fampihavanana. DH: "fa hitondra fihavanana amin'ireo firenena ny mpanjakanareo"
"hanerana ny tany rehetra ny fanjakany!"
Eto ny hoe "aminareo" dia manondro ny vahoakan'Israely.
Io lavaka io dia manambara ny sesitany.
DH: "Miverena any amin'ny firenenareo izay hahatsara anareo"
Io dia fiteny anondroana ireo Israelita tany an-tsesitany izay mbola matoky an'Andriamanitra fa hanavotra azy ireo.
Ny vahoakan'i Joda dia tondroina toy ny hoe tsipìka nentin'Andriamanitra tao an'ady izy ireo. DH: "Ataoko miady amin'ny vahoakan'i Grisia ny vahoakan'i Joda"
Ny vahoakan'Israely, ny fanjakana avaratra, dia tondroina toy ny hoe zana-tsipìka izay hitifiran'Andriamanitra ireo fahavalony. Ny famahanana dia kitapo izay hihazonana ireo tsipìkan'ny miaramila.
Miresaka amin'ny vahoaka izay avy amin'ny firenena roa samihafa indray miaraka Andriamanitra
Ity fizaran'ny faminaniana ity dia mitohy amin'ireo tenin'i Hosea, fa tsy amin'ireo tenin'i Yaveh izay nolazaina tamin'ny alalany.
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Andriamanitra. DH: "ho hitan'ny olony eny an-danitra" na "ho tonga amin'ny vahoakany"
Matetika ireo Israelita dia mihevitra ireo tsela-baratra ho tsipìka izay alefan'Andriamanitra.
Tandrok'ondrilahy ireo trompetra. Hitsoka ireo mba hanome famantarana amin'ny ady sy amin'ny fotoana hafa ny vahoaka.
Matetika ireo Israelita dia mihevitra an'Andriamanitra ho mandeha amin'ny tafio-drivotra mafy avy any atsimo.
DH: "handresy tanteraka"
Handresy ireo miaramila izay niady tamin'ny antsamotady ireo Israelita. Ireo miaramila ireo dia manambara ireo fahavalon'ny Israely rehetra, na inona na inona fitaovam-piadiana lanjain'izy ireo.
DH: "Hihiaka sy hankalaza ny fandresen'izy ireo mafy tahaka ny hoe mamo izy ireo."
Io dia mety manondro ireo lovia izay nampiasain'ireo mpisorona mba hitondrana ny ràm-biby eny amin'ny alitara. DH: "ho feno divay tahaka ireo kovetabe izay itondran'ireo mpisorona rà eny amin'ny alitara izy ireo"
Nisy zorony mahitsy izay anangonana ny ràm-biby ireo alitara. DH: "takaha ireo zoron'ny alitara izay feno rà"
Manohy miresaka amin'ny vahoaka i Zakaria.
DH: "ao amin'ny tanintsika dia ho tahaka ny vato tsara tarehy eo amin'ny satro-boninahitra izy ireo"
Hiaina eo amin'ny sakafo izay azon'izy ireo amin'ny fijinjana ireo tovolahy.
Hankafy divay vaovao ireo tovovavy. Ireo fanondroana hoe tovolahy sy tovovavy ireo dia manambara ny mponin'Israely manontolo.
1 Mangataha orana amin'i Yaveh amin'ny vanim-potoan'ny oran-dohataona—Yaveh izay manao kotrokorana—ary manome orana mivatravatra ho an'ny olon-drehetra sy ny zava-maitso eny an-tsaha. 2 Fa ireo sampy ao an-tokatrano dia miteny lainga; ny mpisikidy manao sary an-tsaina lainga; miteny nofy fitaka izy ireo ary manome fampiononana foana, ka mirenireny toy ny ondry ary mijaly nohon'ny tsy fisian'ny mpiandry izy ireo. 3 Ny hatezerako dia mirehitra amin'ireo mpiandry ondry; ireo osilahy— mpitarika—no ho faiziko. Yaveh tompon'ny maro ihany koa dia hanatrika ireo ondriny, dia ny taranak'i Joda, ary hanao azy ireo toy ny soavaly fentiny any amin'ny ady! 4 Avy amin'izy ireo no hiavian'ny vato fehizoro; avy amin'izy ireo no hiavian'ny fihantonan-javatry ny lay; avy amin'izy ireo no hiavian'ny tsipìka fiadiana; avy amin'izy ireo no hiavian'ny mpitarika rehetra hiaraka. [1]5 Ho toy ny mpiady izay manitsaka ny fahavalony eo amin'ny fotaky ny lalana amin'ny ady izy ireo; hiady izy ireo, satria Yaveh no momba azy ireo, ary hahamenatra ireo izay mitaingina soavalin'ady izy ireo. 6 Hampahery ny taranak'i Joda Aho ary hamonjy ny taranak'i Josefa; fa hamerina azy ireo amin'ny laoniny Aho ka hamindra fo amin'izy ireo. Ho toy ny hoe tsy nolaviko izy ireo, satria Izaho no Yaveh Andriamanitr'izy ireo, ary hamaly azy ireo Aho. 7 Dia ho toy ny mpiady i Efraima, ary hifaly toy ny azon'ny divay ny fon'izy ireo; hahita izany ireo zanany ka hifaly. Hifaly Amiko ny fon'izy ireo! 8 Hisioka ho azy ireo Aho ary hanangona azy ireo, satria hamonjy azy ireo Aho, ary ho tonga lehibe tahaka ny teo aloha izy ireo! 9 Namafy azy ireo teny amin'ireo olona Aho, nefa hahatsiaro Ahy any amin'ireo firenena lavitra izy ireo, ka ho velona sy hiverina izy ireo sy ny zanany. 10 Fa hampody azy ireo avy any amin'ny tany Egypta Aho ary hanangona azy ireo avy any Asyria. Hitondra azy ireo any amin'ny tanin'ny Gileada sy Libanona Aho mandra-paha tsy hisy efitrano ho azy ireo intsony. 11 Hamakivaky ny ranomasim-pahorian'izy ireo Aho; hamely ireo onjan'izany ranomasina izany Aho ary hanamaina ny lalin'i Neily rehetra. Hahetry ny voninahitr'i Asyria, ary ny tehim-panjakan'i Egypta hiala amin'ireo Egyptiana. 12 Hanamafy orina azy ireo amiko Aho, ary handeha amin'ny anarako izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh.
Manohy miresaka amin'ny vahoaka i Zakaria.
"manao ireo rahon'ny kotrokotra"
DH: "manome hafatra lainga ireo sampy"
DH: "mahita fahitana diso ireo mpisikidy"
DH: "mandainga momba ny nofin'izy ireo mba hamitahana ny olona ireo mpisikidy"
DH: "tsy fantatry ny olona hoe aiza no aleha"
"Ireo mpiandry ondry" dia manambara ireo mpitarika ny vahoakan'Andriamanitra. DH: "Mafy ny hatezerako amin'ireo mpiandry ny vahoakako" na "Tezitra mafy amin'ireo mpitarika ny vahoakako Aho"
"Ireo osilahy" dia manambara ireo mpitarika mpampahory.
DH: "Hikarakara ny ankohonan'i Joda Aho"
DH: "hanome azy ireo ny tanjako mahery tsy misy tahotra"
"Ho avy amin'izy ireo ny vato fehizoro." Ny mpanapaka manan-danja iray dia resahina toy ny hoe vato fototra lehibe amin'ny trano. DH: "Ny taranak'izy ireo sasany dia ho mpanapaka tena manan-danja"
"ho avy amin'izy ireo ny fihantonan-javatra." Ireo mpitarika lehibe dia resahina toy ny hoe fihantonan-javatra izay mihazona ny lay amin'ny toerany. DH: "ireo mpitarika izay hihazona ny firenena miaraka dia ho avy amin'izy ireo"
"ny tsipìka fiadiana dia ho avy amin'izy ireo." Ireo mpitarika miaramila dia resahina toy ny hoe tsipìka izay nampiasaina tamin'ny ady. DH: "ireo mpitarika miaramila dia ho avy amin'izy ireo"
DH: "Ho mahery an'ady izy ireo"
DH: "izay nandresy tanteraka ny fahavalon'izy ireo"
DH: "ary handresy ny fahavalon'izy ireo izay ambon'ny soavaly izay miady aminy izy ireo"
DH: "Hampatanjaka ny vahoakan'i Joda Aho"
Io dia manondro ny vahoaka any avaratry ny fanjakan'Israely.
DH: "Tsy nandà azy ireo Aho"
"Efraima" eto dia manondro ny fanjakan'Israely avaratra. DH: "Hatanjaka tokoa i Efraima"
DH: "ary ho faly be marina izy ireo"
DH: "Ho hitan'ny zanak'izy ireo izay nitranga ka ho faly noho izay nataon'i Yaveh taminy izy ireo!"
Ny misioka dia hoe mba hamoaka feo avo, maranitra izay misy rivotra avy ao amin'ny molotra teritery. Matetika izany dia atao mba hanomezana famantarana ho an'olon-kafa, toy ny eto.
Hitohy hiverina any Joda ny vahoaka ary ho tonga be vahoaka izany ka tsy hisy efitrano hipetrahan'ny olona intsony any.
Ny soratra masina matetika dia manondro ny ranomasina ho sarin'ny fahoriana sy zava-tsarotra.
DH: "Hataoko tsy misy intsony ny rano rehetra ao amin'ny Reniranon'i Neily"
Eto ny hoe "voninahitr'i Asyria" dia mety manondro ny tafika Asyriana. DH: "Handrava ny tafika mpireharehan'i Asyria Aho."
DH: "ary ho tapitra ny fahefan'i Egypta mba hanapaka ireo firenena."
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
1 Vohay ny varavaranao, ry Libanona, mba handevonan'ny afo ny sederanao! 2 Misaonà, ry hazo kypreso, fa efa nianjera ny hazo sedera! Ireo avo dia efa nofongorana! Misaonà, ianareo ry hazo terebintan'i Basana, fa efa ripaka ny ala mikitroka. 3 Midradradradra ireo mpiandry ondry, fa efa rava ny voninahitr'izy ireo! Mierona ny feon'ny zanaky ny liona, fa efa rava ny reharehan'ny Ony Jordana! 4 Fa izao no lazain'i Yaveh Andriamanitro: "Tahaka ny mpiandry ondry, miambina ny ondry izay ho vonoina! 5 (mamono azy ireo ilay mividy azy ary tsy voasazy, ary ilay mivarotra azy ireo manao hoe: 'Isaorana anie Yaveh! Efa tonga mpanan-karena aho!' fa ireo mpiandry miasa ho an'ireo tompon'ondry dia tsy niantra azy ireo.) 6 Fa tsy hiantra ny mponin'ny tany intsony Aho! —izany no fanambaran'i Yaveh. Indro! Ny tenako mihitsy no hamerina ny olona rehetra eo an-tanan'ny namany sy eo an-tanan'ny mpanjakany, ary handrava ny tany izy ireo ary tsy hisy na iray amin'izy ireo aza hafahako eo an-tanan'izy ireo." 7 Koa dia lasa mpiandry ny ondry voalahatra ho vonoina Aho, ho an'ireo izay nitondra ny ondry. Nandray tehina roa Aho; ny tehina iray nantsoiko hoe "Fahasoavana" ary ilay hafa nantsoiko hoe "Fikambanana". Tamin'izany fomba izany no niandrasako ny ondry. 8 Mpiandry ondry telo no novonoiko tao anatin'ny iray volana, satria tsy naharitra tamin'izy ireo aho, ary nankahala ahy rahateo izy ireo. 9 Dia hoy aho tamin'ny tompon'ondry hoe: "Tsy hiasa ho mpiandry ondrinao intsony aho. Ny ondry izay maty—dia aleo ho faty, ny ondry izay ringana—dia aleo ho ringana. Aoka ny ondry izay sisa tavela samy hihinana ny nofon'ny namany." 10 Dia noraisiko ny tehiko "Fahasoavana" ary nosimbaiko izany mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin'ireo fokoko rehetra. 11 Tamin'izany andro izany dia rava ilay fanekena, ka ireo izay nitondra ny ondry sy nijery Ahy dia nahafantatra fa niteny Yaveh. 12 Dia hoy aho tamin'izy ireo hoe: "Raha toa ka tsara aminareo izany, dia aloavy ny karamako. Fa raha tsy izany, dia aoka ihany." Ka dia nolanjain'izy ireo ny karamako—sekely volafotsy telopolo. 13 Ary hoy Yaveh tamiko hoe: "Apetraho ao amin'ny fitoeran-drakitra ny volafotsy, ny sanda tsara indrindra izay nanombanan'izy ireo anao!" Ka dia nalaiko ny sekely volafotsy telopolo ary napetrako tao amin'ny fitoeran-drakotra tao an-tranon'i Yaveh. 14 Avy eo nopotehiko ny tehiko faharoa, "Fikambanana," mba hamotehana ny firahalahian'i Joda sy Israely. 15 Hoy Yaveh tamiko hoe: "Alaivo ho an'ny tenanao indray ny fitaovan'ny mpiandry ondry adala, 16 fa indro, hametraka mpiandry ondry eo amin'ny tany Aho. Tsy hiraharaha ny ondry maty izy. Tsy hitady ny ondry very izy, na koa hanasitrana ny mandringa. Tsy hamahana ny ondry izay salama izy, fa hihinana ny nofon'ny ondry matavy ary hamiravira ny kitron'ireo. 17 Loza ho an'ny mpiandry ondry tsy mendrika izay mahafoy ny ondry! Hamely ny sandriny sy ny masony an-kavanana anie ny sabatra! Halazo anie ny sandriny ary ho jamba ny masony ankavanana!"
Miresaka amin'ny tanin'i Libanona toy ny hoe olona ny mpaminany. DH: "Ry vahoakan'i Libanona, mivonòna fa handoro ireo hazo sederanao ny afo"
DH: "Raha olona ireo hazo, dia nitomany tanatin'ny alahelo izany. Nijoro irery ireo hazo kypreso satria may sy nianjera ireo sedera."
DH: "Raha hazo terebinta any Basana ny olona, dia nidradradradra izany, satria notapahina ireo ala mateviny."
DH: "Mihiaka mafy ireo mpiandry ondry"
"Ny voninahitr'izy ireo" dia mety manambara ireo tany fihinanam-bilona misy ahitra betsaka izay nitarihin'ireo mpiandry ondry ny ondrin'izy ireo. DH: "fa efa foana ireo tany fihinanam-bilona misy ahitra betsaka."
DH: "satria efa noravana ireo hazo sy zana-kazo izay nitoeran'izy ireo teo amoron'ny Ony Jordana."
Eto dia manomboka manome fampianarana an'i Zakaria amin'ny endrika fanoharana momba ny mpiandry ondry sy ondry i Yaveh.
"ny vahoakan'ny tany"
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
DH: "mamela ny olona tsirairay hofehezin'olon-kafa"
DH: "eo amin'ny fifehezana tsy rarin'ny mpanjakany"
DH: "tsy hanana indra-fo amin'ny vahoakan'ny tany izy ireo"
DH: "nefa tsy hamonjy ny vahoakan'i Joda eo amin'ny fahefan'izy ireo Aho"
Mitohy ny fanoharana momba ny mpiandry ondry sy ondry.
"ireo andian-ondry izay natao ho vonoina."
Ireo tehina dia tapa-kazo nampiasaina tamin'ny antony isan-karazany, anisan'izany ny fanoroan-dalana ireo ondry. Ny tehina dia mety misy farango karazany samihafa eo amin'ny vodiny.
Ireo dikan-teny samihafa dia mandika ny teny Hebreo amin'io lahatsoratra io hoe "fahasoavana" na "hatsarana."
Io dia amin'ny hevitry ny hoe firalahiana eo amin'ny lafy roan'Israely, dia ny fanjakana avaratra sy ny fanjakana atsimo.
DH: "Tsy afaka handefitra amin'ireo tompon'ny ondry izay nanakarama ahy intsony aho."
Mitohy ny fanoharana momba ny mpiandry ondry sy ondry.
Miresaka sy miasa ho an'i Yaveh ilay mpaminany eto.
DH: "nilaza hafatra tamin'izy ireo"
volafotsy 330 grama. Ny sekely iray dia milanja iraikambin'ny folo grama.
Mitohy ny fanoharana momba ny mpiandry ondry sy ondry.
ireo trano fitehirizana ao amin'ny tempolin'i Yaveh
Io dia midika fa io sanda io dia kely tokoa raha ho an'ny mpiandry ondry manao ny asan'i Yaveh. Jereo ny UDB, izay manala ny hevitra ambadika: "vola tena kely tokoa."
volafotsy 330 grama. Ny sekely iray dia milanja iraikambin'ny folo grama.
Mitohy ny fanoharana momba ny mpiandry ondry sy ondry.
ondry salama, sy mitombo tsara
mety ho asa fahabibiana
Mitohy ny fanoharana momba ny mpiandry ondry sy ondry.
DH: "Izay alahelo miandry ny mpiandry ondry tsy mendrika"
DH: "nandratra ny sandriny ankavanana ary nanevika ny masony ankavanana!"
Ny "sabatra" eto dia manambara ireo fahavalo izay hanafika ireo mpiandry ondry.
ny heriny mba hiadiana
ny fahafahany mijery rehefa miady izy.
1 Ity dia fanambarana ny tenin'i Yaveh mahakasika an'Israely—fanambaran'i Yaveh, izay nanandratra ireo habakabaka sy nametraka ny fototry ny tany, izay mamolavola ny fanahin'olombelona ao anatin'ny olona hoe: 2 "Indro, eo an-dalam-panaovana an'i Jerosalema anaty kapoaka Aho hahatonga ireo vahoaka rehetra manodidina azy hivembena. Dia ho tahaka izany ihany koa ny an'i Joda mandritry ny fahirano an'i Jerosalema. 3 Amin'izany andro izany, hataoko ho vato mavesatra ho an'ny olon-drehetra i Jerosalema. Izay manandrana ny hanainga izany vato izany dia handratra mafy ny tenany, ka hitambatra hanohitra izany tanàna izany ireo firenen'ny tany rehetra. 4 Amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh—hamely ny soavaly tsirairay amin'ny horohoro Aho ary ny mpitaingina azy amin'ny fahaverezan-tsaina. Hijery am-pankasitrahana ny taranak'i Joda Aho ary hamely ny soavalin'ireo tafika amin'ny fahajambana. 5 Avy eo ireo mpitarik'i Joda hiteny anakampo hoe: 'Ireo mponin'i Jerosalema no tanjatsika noho i Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'izy ireo.' 6 Amin'izany andro izany dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin'ny hazo ary tahaka ny fanilo eny amin'ny amboara ireo mpitarika ny Jod, fa izy ireo no handevona ireo firenena rehetra manodidina eo ankavanany sy eo ankaviany. Hitoetra eo amin'ny toerany indray i Jerosalema." 7 Hamonjy ireo lain'i Joda i Yaveh, mba tsy ho lehibe noho ny sisa tavela amin'i Joda ny voninahitry ny taranak'i Davida sy ny voninahitr'ireo izay monina ao Jerosalema. 8 Amin'izany andro izany dia ho mpiaro ireo mponin'i Jerosalema i Yaveh, ary amin'izany andro izany ireo izay ketraka amin'izy ireo dia ho tahaka an'i Davida, ary ny taranak'i Davida dia ho tahaka an'Andriamanitra, tahaka ny anjelin'i Yaveh eo anoloan'izy ireo. 9 "Amin'izany andro izany dia hanomboka handringana ireo firenena rehetra izay tonga hanohitra an'i Jerosalema Aho. 10 Nefa handraraka ny fanahin'ny fangoraham-po sy fitarainana amin'ny taranak'i Davida sy ireo mponin'i Jerosalema Aho, mba hitodihan'izy ireo Amiko, ilay Iray izay nolefonin'izy ireo. Hisaona nohon'ny Amiko, tahaka ny olona misaona nohon'ny amin'ny zanany lahy tokana izy ireo; hisaona ho Azy tahaka ireo izay misaona nohon'ny fahafatesan'ny voalohan-janaka izy ireo. 11 Amin'izany andro izany ny fisaonana ao Jerosalema dia ho tahaka ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin'ny lemak'i Megido. 12 Hisaona ny tany, ny fianakaviambe tsirairay hitokana amin'ireo fianakaviambe hafa. Ny fianakaviamben'ny taranak'i Davida hitokana ary ireo vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy. Ny fianakaviamben'ny taranak'i Natana hitokana ary ireo vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy. 13 Ny fianakaviamben'ny taranak'i Levy hitokana ary ireo vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy. Ny fianakaviamben'ireo Simeita hitokana ary ny vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy. 14 Ny fianakaviambe tsirairay amin'ireo fianakaviambe tafajanona—ny fianakaviana tsirairay dia samy hitsitokatokana ary ny vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy."
Ity andininy ity dia manomboka fizarana iray izay milaza momba ny fanafihana ho avy amin'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra ny tanàna.
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
"Ilay namorona ny lanitra"
DH: "nametraka ny tany rehetra amin'ny toerany"
DH: "mamorona ny fanahin'olombelona"
"kapoaka misy zavatra hosotroina"
Izany dia, zava-pisotro misy alikaola ary hahatonga ireo tafika izay manafika an'i Jerosalema ho lasa mamo ka tsy afaka hiady.
Izany dia, ny tanànan'i Jerosalema. Iraisana amin'ny Hebreo ny miresaka ny tanàna toy ny hoe vehivavy.
"zavatra tsy hay afindra"
Ity andininy ity dia manohy milaza momba ny fanafihana ho avy amin'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra ny tanàna.
Io dia manondro ny andro izay anafihan'ireo tafika an'i Jerosalema.
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
DH: "Harovako"
"vahoakan'i Joda"
Io dia midika fa hihevitra ary hiteny amin'ny tenany izy ireo.
DH: "satria manompo an'i Yaveh tompon'ny maro izy ireo"
Ity andininy ity dia manohy milaza momba ny fanafihana ho avy amin'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra ny tanàna.
Io dia manondro ny fotoana izay nanafihana an'i Jerosalema sy nandresen'Andriamanitra ireo fahavalony.
"tahaka ny fatana mirehitra eo amin'ny antontan-kazo...tahon'amboaram-bary tsy voajinja any an-tsaha"
vilany tanimanga izay nitondran'ny olona taloha vain'afo
tapa-kazo izay nampirehetina amin'ny vodiny iray izay manome hazavana raha mandeha ny olona na mitondra afo eny rehetra eny
"handrava ireo vahoaka manodidina"
Hipetraka ao amin'ny tanànany indray ny vahoakan'i Jerosalema.
Ity andininy ity dia manohy milaza momba ny fanafihana ho avy amin'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra ny tanàna.
Eto ny hoe "lay" dia manambara trano, ary ireo trano dia manambara ny vahoaka izay mipetraka ao amin'izany. DH: "vahoakan'i Joda."
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo taranak'i Davida na 2) ireo sokajin'olona mpanapaka.
Io dia anjely nalefan'i Yaveh mba hiaro ny vahoaka.
DH: "Hanome fanahy ho an'ny olona mba hananany indra-fo amin'ny hafa sy hangatahany indra-fo Amiko Aho"
DH: "ilay Iray izay notsindronin'izy ireo"
Hadadrimona dia mety ho toerana izay nahafaty an'i Josia noho ny ratrany tamin'ny ady taorian'ny Adin'i Megido. Ary nasiana fomba mba hihazonana ny fisaonana amin'ny fotoany ao noho ny fahafatesany. Ireo olona sasany, na dia izany aza, dia mihevitra fa ny Hadadrimona dia anaran'andriamani-tsy izy izay ninoana fa maty isan-taona, tranga izay hisaonan'ireo mpanompo azy.
Io dia anarana lemaka any Israely.
Io dia manondro ny vahoaka rehetra mipetraka ao amin'ny tanin'i Joda.
Ireo taranak'i Davida...Natana...Levy.
1 "Amin'izany andro izany dia hisy loharano hisokatra ho an'ny ankohonan'i Davida sy ireo mponin'i Jerosalema, nohon'ny fahotan'izy ireo sy ny tsy fahadiovan'izy ireo. 2 Amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—no hanafoanako ny anaran'ireo sampy amin'ny tany mba tsy ho tsaroana intsony izy ireo. Hampivoaka ireo mpaminany tsy marina sy ny fanahy maloton'izy ireo amin'ny tany ihany koa Aho. 3 Raha misy olona manohy maminany, dia hiteny aminy ny rainy sy ny reniny izay niteraka azy hoe: 'Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin'ny anaran'i Yaveh!' Avy eo ny ray sy ny reny izay niteraka azy handefona azy rehefa maminany izy. 4 Amin'izany andro izany ny mpaminany tsirairay dia ho menatra amin'ny fahitany rehefa eo am-paminaniana izy. Ireo mpaminany ireo dia tsy hanao lamba voloina, mba hamitahana ny olona intsony. 5 Fa ny tsirairay hiteny hoe: 'Tsy mpaminany aho! Lehilahy miasa tany aho, satria ny tany no lasa asako raha mbola tovolahy aho!' 6 Fa hisy olona iray hiteny aminy hoe: 'Inona ireo ratra eo anelanelan'ireo sandrinao ireo?' ary hamaly izy hoe: 'Naratra niaraka tamin'ireo izay tao amin'ny tranon'ireo namako aho."' 7 "Ry sabatra! Asandrato amin'ny mpiandry ondriko, ilay lehilahy izay mitsangana eto akaikiko ny tenanao—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro. Veleso ny mpiandry ondry, dia hiparitaka ireo ondry! Fa hamerina ny tanako hanohitra ireo madinika Aho. 8 Ary manerana ny tany rehetra—izany no fanambaran'i Yaveh—dia hisy roa ampahatelon'izany hofoanana! Ho levona ireo olona ireo; iray ampahatelony ihany no hijanona any. 9 Ho entiko amin'ny afo io ampahatelony io ary ho dioviko tahaka ny manadio volafotsy izy ireo; ho zahako tahaka ny volamena voazaha izy ireo. Hiantso ny anarako izy ireo, ka hamaly azy ireo Aho ary hanao hoe: 'Ity no oloko!' ary hiteny izy ireo hoe: 'Yaveh no Andriamanitro!""
Toerana izay hikorianan'ny rano ara-boajanahary avy amin'ny tany.
DH: "mba hanadio ny fahotana sy ny fahalotoan'izy ireo"
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
DH: "hamongotra ny fanompoan-tsampy manerana ny tany"
DH: "Ho esoriko hiala amin'ny tany ihany koa ireo mpaminany tsy marina sy ny fanahy maloton'izy ireo"
Ny andianteny hoe "izay niteraka azy" dia manoritsoritra ny hoe "ny ray sy reniny" mba hanehoana fahagagana fa mitondra azy tahaka izany ireo ray aman-dreniny.
DH: "Tsy maintsy maty ianao"
Hanindrona azy ho faty.
Io dia manondro ireo mpaminany tsy marina; fa tsy ireo tena mpaminanin'i Yaveh.
Ny "lamba" dia manondro ny akanjo ivelany izay mavesatra. Vita tamin'ny volom-biby izany ary anaovan'ireo mpaminany matetika.
Izany dia, "ireo mpamboly."
Ireo dikan-teny vaovao sasany dia mandika io lahatsoratra Hebreo io hoe "nisy lehilahy nahazo ahy tamin'ny fahatanorako" izany dia hoe, nahazo azy ho mpanompo.
DH: "Ahoana no nahazoanao ireo tataka amin'ny tratranao ireo?" Io dia manondro ny fomban'ireo mpaminany tsy marina izay mandratra ny tenan'izy ireo ao anatin'ny fankalazany.
Izany dia hoe, hamaly lainga izy.
DH: "Ianao, ry sabatra! Miarena." Io dia didin'i Yaveh mba hanafihana sy hamonoana ny mpiandry ondriny.
Io dia manondro mpanjaka iray na mpanompon'i Yaveh iray.
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
"Ny ondry" dia manondro ny vahoakan'Israely.
Io dia mety manondro ireo Israelita rehetra izay malemy sy tsy misy mpiaro.
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
Ny vy dia ampadalovina afo mba hanadiovana sy hanamafisana azy. Io fitenenana io eto dia ampiasaina ho sarinteny hilazana ny fandefasana ny olona amin'ny fampijaliana mba ahafahan'izy ireo ho lasa mahatoky kokoa amin'Andriamanitra.
Ny fanadiovana dia manondro ny fanaovana ny vy sarobidy tahaka ny volafotsy madio kokoa. Ny vy tahaka ny volafotsy sy volamena dia tsapaina mba hahitana ny hadio sy ny hamafiny. Ny fanadiovana sy ny fitsapana eto dia samy sarinteny hilazana ny fanaovana ny olona ho mahatoky kokoa amin'Andriamanitra.
1 Indro! Ho tonga ny andron'i Yaveh rehefa hozaraina eo afovoanareo ny babonareo. 2 Fa hangoniko hanohitra an'i Jerosalema amin'ny ady ny firenena rehetra ka ho voababo ny tanàna. Ireo trano dia ho voababo ary ny vehivavy ho voaholana. Ny antsasaky ny tanàna dia ho voababo, fa ny sisa tavela amin'ireo olona dia tsy ho esorina eo amin'ny tanàna. 3 Fa i Yaveh dia hivoaka ary hiady amin'ireo firenena tahaka Azy rehefa miady amin'ny andron'ny ady. 4 Amin'izany andro izany ny tongony dia hitsangana eo ambonin'ny Tendrombohitr'i Oliva, izay eo akaikin'i Jerosalema any atsinanana. Ny Tendrombohitr'i Oliva dia hitresaka roa ary ho sarahan'ny lohasaha lehibe ary ny antsasaky ny tendrombohitra dia hiverina manoloana ny avaratra ary ny antsasany manoloana ny atsimo. 5 Avy eo ianao handositra hidina ny lohasaha eo anelanelan'ireo tendrombohitr'i Yaveh, fa ny lohasaha eo anelanelan'ireo tendrombohitra dia hipaka hatrany Azela. Handositra tahaka ny nandosiranao tamin'ny horohoron-tany tamin'ireo andron'i Ozia, mpanjakan'i Joda ianao. Dia ho tonga i Yaveh Andriamanitro ary hiaraka Aminy avokoa ireo olomasina rehetra. 6 Amin'izany andro izany dia tsy hisy hazavana, fa tsy hisy na hatsiaka na fanala. 7 Amin'izany andro izany, andro izay Yaveh irery ihany no mahafantatra, dia tsy hisy andro na alina intsony, fa ny hariva dia ho lasa fotoan'ny hazavana. 8 Amin'izany andro izany ny rano velona dia hikoriana hivoaka an'i Jerosalema. Ny antsasak'ireo dia hikoriana amin'ny ranomasina atsinanana ary ny antsasany amin'ny ranomasina andrefana, amin'ny fahavaratra sy amin'ny ririnina. 9 Ho mpanjaka amin'ny tany rehetra i Yaveh. Amin'izany andro izany dia hisy Yaveh, Ilay Andriamanitra tokana, ary ny anarany irery ihany. 10 Ny tany rehetra dia ho tahaka an'i Araba, manomboka ao Geba ka hatrany Rimona atsimon'i Jerosalema. Ho hasandatra hatrany i Jerosalema ary hipetraka amin'ny toerany manokana, hatrany amin'ny Vavahadin'i Benjamina ka hatrany amin'ny toerana izay nisy ny vavahady voalohany, hatrany amin'ny Vavahady an-jorony, ary hatrany amin'ny Tilikambon'i Hananela ka hatrany amin'ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka. 11 Ny vahoaka dia hipetraka any Jerosalema ary tsy hisy faharavana tanteraka avy amin'Andriamanitra hanohitra azy ireo intsony. Hiaina tsy amin'ahiahy i Jerosalema. 12 Izao no ho loza izay hamelezan'i Yaveh an'ireo vahoaka rehetra niady nanohitra an'i Jerosalema: ny nofon'izy ireo dia ho lo na dia mitsangana amin'ny tongony aza izy ireo. Ny mason'izy ireo dia ho lo ao amin'ny faladian'izy ireo ary ny lelan'izy ireo ho lo ao am-bavan'izy ireo. 13 Amin'izany andro izany ny tahotra lehibe avy amin'i Yaveh dia ho tonga amin'izy ireo. Ny tsirairay dia hihazona ny tanan'ny hafa, ary ny tanan'ny iray dia hisandratra hamely ny tanan'ny iray hafa. 14 Joda ihany koa dia hiady hanohitra an'i Jerosalema. Hanangona ny haren'ireo firenena manodidina rehetra izy ireo—volamena, volafotsy, ary fitafiana tsara maro be. 15 Ny loza ihany koa dia ho amin'ireo soavaly sy ireo ampondra, ireo rameva sy ireo boriky, ary ireo biby rehetra ao amin'ireo toby ireo ihany koa dia hijaly amin'izany loza izany ihany. 16 Ary izao no hiseho, izay rehetra tavela ao amin'ireo firenena izay tonga manohitra an'i Jerosalema dia hiakatra isan-taona kosa mba hidera ny mpanjaka, dia i Yaveh tompon'ny maro, ary hitandrina ny Firavoravoan'ny Fialofana. 17 Raha tsy mandeha miakatra ho any Jerosalema mba hidera an'ilay mpanjaka, dia i Yaveh tompon'ny maro, ny olona avy amin'ireo firenena rehetran'ny tany, dia tsy hitondra orana amin'izy ireo i Yaveh. 18 Raha tsy miakatra ny firenen'i Egypta, dia tsy hahazo orana izy ireo. Hisy areti-mandringana avy amin'i Yaveh izay hamely ireo firenena izay tsy hiakatra mba hitàna ny Firavoravoan'ny Fialofana. 19 Izany no ho famaizana ho an'i Egypta ary famaizana ho an'ny firenena rehetra izay tsy miakatra mba hitàna ny Firavoravoan'ny Fialofana. 20 Fa amin'izany andro izany, ny lakolosin'ireo soavaly dia hiteny hoe: "Atokany ho an'i Yaveh," ary ireo koveta ao amin'ny tranon'i Yaveh dia ho tahaka ny lovia boribory eo anatrehan'ny alitara. 21 Fa ny vilany tanimanga rehetra ao Jerosalema sy Joda dia ho atokana ho an'i Yaveh tompon'ny maro ary izay rehetra mitondra sorona dia hihinana amin'ireo ary hampangotraka ao anatin'ireo. Amin'izany andro izany ireo mpivarotra dia tsy ho ao an-tranon'i Yaveh tompon'ny maro intsony.
Ity toko ity dia manoritsoritra ny ady farany ho an'ny tanànan'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra azy.
DH: "haka ny fanananareo rehetra ireo fahavalonareo ary hizara izany ho azy ireo raha mijery ianareo"
DH: "Hasiako manafika an'i Jerosalema ny firenena maro"
DH: "hamela ny olona sisa hitoetra ao amin'ny tanàna ny fahavalonareo"
Ireto andininy ireto dia manohy ny fanoritsoritana ny ady farany ho an'ny tanànan'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra azy.
DH: "tahaka ny niadiany taloha"
"Ny tongony" dia manondro an'i Yaveh mihitsy.
Ireto andininy ireto dia manohy ny fanoritsoritana ny ady farany ho an'ny tanànan'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra azy.
Io dia anaran-tanàna na zanabohitra atsinanan'i Jerosalema.
Io dia mety manondro ireo anjelin'Andriamanitra
Ireto andininy ireto dia manohy ny fanoritsoritana ny ady farany ho an'ny tanànan'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra azy.
Io dia midika hoe rano mandeha na mikoriana raha ny tokony ho izy, fa tsy rano mijanona na miandrona.
Io dia manondro ny Ranomasina Maty, izay atsinanan'i Jerosalema.
Io dia manondro ny Ranomasin'i Mediteraneana.
Ireto andininy ireto dia manohy ny fanoritsoritana ny ady farany ho an'ny tanànan'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra azy.
"hisy Andriamanitra tokana ihany, dia Yaveh, izay hotompoina."
Ireo dia anaran-toerana.
Io dia manondro ny haavon'ny tanànan'i Jerosalema, eo amin'ny 760 metatra eo no ho eo raha ambonin'ny haavon'ny ranomasina.
Ireo dia anaram-bavahady isan-karazany ao amin'ny mandan'ny tanànan'i Jerosalema.
Io dia manondro ny fefy matanjaka ao amin'ny fiarovan'ny tanàna amin'ny manda. Mety natsangan'ny lehilahy antsoina hoe Hananela izany.
Io dia mety manondro ny toerana izay nanaovana ny divay ho an'ny fianakavian'ny mpanjaka.
Ireto andininy ireto dia manohy ny fanoritsoritana ny ady farany ho an'ny tanànan'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra azy.
DH: "mandeha manodidina"
Hanafika ny hafa ny olona tsirairay avy.
Ireto andininy ireto dia manohy ny fanoritsoritana ny ady farany ho an'ny tanànan'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra azy.
Ireo dikan-teny sasany mamaky hoe: "Hiady ahazoana an'i Jerosalema ihany koa i Joda." Tsy azo antoka ny lahatsoratra Hebreo.
DH: "Hambabo ireo fananana izy ireo"
" tena betsaka"
Ireto andininy ireto dia manohy ny fanoritsoritana ny ady farany ho an'ny tanànan'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra azy.
DH: "izay nanafika an'i Jerosalema"
DH: "hanafay mafy ireo firenena"
Ireto andininy ireto dia manohy ny fanoritsoritana ny ady farany ho an'ny tanànan'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra azy.
Ireto andininy ireto dia manohy ny fanoritsoritana ny ady farany ho an'ny tanànan'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra azy.
DH: "ho masina tahaka ireo lovia jobo nampiasaina teo amin'ny alitara"
Ireo karazana vilany sy fanaka samihafa dia natao manokana mba ampiasaina ao an-tempoly amin'ny fanompoana an'i Yaveh sy ho an'ny sorona. Ireo dia noheverina ho miavaka, fa tsy ampiasaina amin-javatra hafa.
Fomban'ny mpivarotra ny mivarotra ireo zavatra izay ilain'ny olona mba hanaovana sorona manokana ho an'i Yaveh ao an-tempoly. Ireo dikan-teny sasany dia nandika hoe "Ireo Kananitra" eo amin'ny toeran'izany, satria mety misy heviny roa ny lahatsoratra Hebreo dia ny hoe: "mpivarotra" sy "Kananita."
1 Ny fanambarana ny tenin'i Yaveh tamin'Israely tamin'ny alalan'ny tanan'i Malakia. 2 "Efa nitia anareo Aho," hoy Yaveh. Saingy hoy ianareo hoe: "Ahoana no nitiavanao anay?" "Tsy rahalahin'i Jakoba ve i Esao?" hoy nambaran'i Yaveh. "Jakoba no efa tiako, 3 fa Esao efa nankahalaiko. Ny tendrombohiny dia efa nataoko lao, ary efa nataoko ho toerana ho an'ireo ambodia avy any an'efitra ny lovany. 4 Raha milaza i Edoma hoe: "Nolavoina izahay, kanefa hamerina hanangana ny rava izahay," dia hilaza i Yaveh Tompon'ny maro hoe: "Mety hanangana izy ireo, saingy ho ravaiko indray. Ireo hafa dia hiantso azy ireo hoe: 'Tanànan'ny faharatsiana' sy hoe: 'Ireo vahoaka izay nozonin'i Yaveh mandrakizay.' 5 Hahita izany ny masonareo, ary hiteny ianareo hoe: 'Yaveh dia lehibe mihoatra ireo faritanin'Israely.'" 6 "Toy ny zanaka lahy manome voninahitra ny rainy, sy ny mpanompo manome voninahitra ny tompony. Raha ray Aho, aiza ny voninahitro? Raha tompo Aho, aiza ny fanehoana fanajana Ahy?" hoy Yaveh Tompon'ny maro tamin'ireo mpisorona, izay nanao tsinontsinona ny anarako. "Saingy hoy ianareo hoe: 'Ahoana no nanaovanay tsinontsinona ny anaranao?' 7 Tamin'ny fanolorana mofo voaloto eo amin'ny alitarako. Saingy hoy ianareo hoe: 'Ahoana no nandotoanay Anao?' Tamin'ny filazana fa tsy misy dikany ny latabatr'i Yaveh. 8 Rehefa manolotra biby jamba ho atao sorona ianareo, moa tsy ratsy ve izany? Rehefa manolotra ny kilemaina sy marary ianareo, moa tsy ratsy ve izany?" Asehoy any amin'ny governoranareo izany! Handray anareo ve izy na hampitraka ny tavanareo?" hoy Yaveh Tompon'ny maro. 9 Ankehitriny ianareo dia mbola manontany ny endrik'Andriamanitra, mba hamindrany fo antsika. Fa Yaveh Tompon'ny maro nilaza fa amin'ny fanatitra toy izany eny an-tananareo, moa hampitraka ny tarehinareo ve Izy? 10 "Raha mba nisy iray taminareo mantsy nanakatona ny vavahadin'ny tempoly, mba tsy ho zava-poana ny andrehetanareo afo eo amin'ny alitarako! Tsy mankasitraka anareo Aho," hoy Yaveh Tompon'ny maro: "ary tsy handray fanatitra avy amin'ny tananareo Aho. 11 Fa ny anarako dia ho lehibe eo amin'ireo firenena ary isaky ny toerana rehetra manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro mandra-piletiny ary ditin-kazo manitra sy fanatitra madio no hatolotra amin'ny anarako. Fa ny anarako dia lehibe eo amin'ireo firenena." hoy Yaveh Tompon'ny maro. 12 "Fa maniratsira izany ianareo rehefa milaza fa maloto ny latabatry ny Tompo, ary ireo vokany, ireo sakafony, dia ho atao tsinontsinona. 13 Hoy koa ianareo hoe: 'Mandreraka koa izy izany,' dia niherona tamin'izany ianareo," hoy i Yaveh Tompon'ny maro. "Nitondra izay nesorina tamin'ny bibi-dia ianareo na kilemaina na marary; ary nentinareo ho fanatitrareo izany. Tokony handray izany avy eny an-tananareo ve Aho?" hoy Yaveh. 14 "Aoka hozonina ny mpamitaka izay manana ondry lahy ao amin'ny ondriny sy mivoady hanome Ahy izany, ary mbola manome sorona izay misy kilema Ahy, Tompo! Fa Izaho dia mpanjaka lehibe," hoy Yaveh Tompon'ny maro," ary ny Anarako dia homen-boninahitra eo amin'ireo firenena."
Ity dia azo anehoana ho fanambarana iray. "Ity dia fanambarana ny tenin'i Yaveh tamin'ny Israely tamin'ny alalan'ny tanan'i Malakia."
Ity dia anaran'Andriamanitra izay velona tamin'ny olona tamin'ny testamenta taloha.
Eto ny "tanana" dia maneho hetsika na fanaovana. D.H: "manoloana ny fihetsik'i Malakia"
Ity fanontaniana ity dia milaza ny ahiahin'ny olona amin'ny marina izay lazain'Andriamanitra. Azo lazaina ho fanambarana iray izany. D.H: "Mbola tsy nasehonao anay fa tinao izahay."
Ity fanontaniana ity, dia famalin'Andriamanitra mampisaina olona amin'ny tantaran'ny fireneny, azo lazaina ho fanambarana iray. D.H: "Fantatrao fa rahalahin'i Jakoba i Esao."
"Yaveh efa niteny tamin'ny fomba manetriketrika izany"
Eto "tiana" dia te hilaza ny fifandraisana iray tsy mivadika eo amin'i Jakoba sy Yaveh, ao amin'izay fanekena nisy teo amin'izy ireo. Azo lazaina mazava izany. D.H: "araka ny fahafantaranao, nandidy ny tenako amin'ny fanekena aho mba hitia an'i Jakoba"
Ity anarana "Jakoba" ity eto dia tsy maneho an'i Jakoba fotsiny ihany, fa amin'ireo taranany rehetra ihany koa.
Eto ny "nankahala" dia te hilaza fa tsy misy fanekena eo amin'i Yaveh sy Esao. Na izany aza anefa, tsy milaza izany fa Yaveh dia nanohitra am-pihetsem-po an'i Esao.
Ity anarana "Esao" ity eto dia tsy maneho an'i Esao fotsiny ihany, fa amin'ireo taranany ihany koa.
Ity dia maneho ny zana-bohin'i Edoma.
Tao amin'ny testamenta taloha, ny fisian'ireo bibidia na ambodia dia matetika famaritana ny tany foana tamin'ny alalan'ireo olona izay nitoetra tany.
Eto ny "lova" dia midika ho amin'ny faritra izay nosahanin'ny taranak'i Esao, sy ny firenen'i Esao.
Eto "Edoma" dia midika ny olon'i Edoma. D.H: "Raha miteny ny olon'i Edoma"
Eto "ho ravaina" dia midika "mamotika". D.H: "Ho ravaiko"
Eto ny "faharatsiana" dia midika ny haratsiam-panahin'ny olona na ny haratsiam-panahy ny firenena. D.H: "firenen'ny olona ratsy fanahy."
Eto "ny masonareo" dia midika ny tenan'ireo olona. D.H: "Hahita ny tenanareo"
Yaveh miteny masiaka amin'ireo mpisorona mampiasa ny sarin-dresaka ao amin'izay hankahalan'ireo mpisorona izay anaovan'izy ireo ny marina nefa Yaveh miteny izay ratsy hataon'izy ireo.
Eto ny "anarako" dia midika ny tenan'i Yaveh. D.H: "Hevero tahaka ny nankalanao ahy"
Eto ireo mpisorona dia manontany mba hanambara fa izy ireo tsy mbola nanao tsinontsinona an'i Yaveh marina. Azo lazaina ho fanambarana iray izany. D.H: "Mbola tsy nanao tsinontsinona ny anaranao marina izahay." na "Lazao anay ny fomba nanaovanay tsinontsinona ny anaranao, satria tsy nihevitra izay nataonay izahay."
Eto ny "voaloto" dia mamaritra zavatra tsy tsara anaovana sorona amin'Andriamanitra.
Eto ireo mpisorona dia manontany mba hanambara fa izy ireo tsy mbola nandoto an'i Yaveh marina. Azo lazaina ho fanambarana iray izany. D.H: "Mbola tsy nandoto Anao izahay." na "Lazao anay ny fomba nandotoanay Anao, satria tsy nihevitra izay nataonay izahay."
Ity filazana ity dia maneho faniratsiràna an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanomezana sorona ratsy.
Ity dia maneho ny alitara.
Ity dia valin-teny izay omen'i Yaveh ireo mpisorona, saingy ny valin-teny feno dia efa voalaza. Azo lazaina mazava tsara izany. D.H: "Efa nandoto Ahy tamin'ny alalan'ny fitenenana ianareo hoe: 'tsy misy dikany ny latabatr'i Yaveh."'
zava-poana.
Eto Yaveh mametraka ity fanontaniana ity mba hanaovana fanambarana. Ny fiasan'ity fehezanteny ity dia mibedy ny vahoaka. D.H: "Fantatrao tsara izay ratsy aminao mba hanolorana biby jamba ho an'ny sorona!"
Eto Yaveh mametraka ity fanontaniana mba hilazàna fanambarana iray. D.H: "Fantatrao tsara izay ratsy aminao mba hanolorana kilema sy marary!"
Eto Yaveh dia manome baiko mba hilazàna hevitra mifanaraka. D.H: "Raha asehonareo amin'ny governoranareo izany,"
Eto Yaveh mametraka ity fanontaniana ity mba hibedesana ireo olona. D.H: "Raha manao ireo zavatra ireo ianareo, dia fantatrareo tsara fa hanaiky anareo ny governoranareo."
Fampitrakana tavan'olona dia maneho fanekena Azy an-kasitrahana. D.H: "anaiky anao an-kasitrahana ve izy" na "hanaiky hamonjy anao ve izy"
atolotra tahaka ny fanomezana hampisehoana haja.
Tsy niresaka tamin'Andriamanitra intsony i Malakia. Niresaka nivantana tamin'ireo Israelita izy, nitsikera azy ireo izy tamin'ny fahasahiana'izy ireo nihevitra fa hamindra fo azy ireo Andriamanitra.
Eto ny "endrika" dia manambara an'Andriamanitra sy ny fanatrehany ihany koa. D.H: "mbola manontany an'Andriamanitra amin'ny fanatrehany"
Eto Yaveh dia mametraka ity fanontaniana ity mba hanambarana fibedesana. D.H: "raha manolotra fanatitra tsy an-kasitrahana ianareo, dia tsy hampitraka ny lohanareo mihitsy Andriamanitra."
Ity andian-teny sarotra ity amin'ny Hebreo dia misy dikany amin'ny fomba maro samihafa amin'ireo dikan-teny vaovao.
Eto ny "tanana" dia midika ny fitondran'ireo olona fanatitra. D.H: "nentina avy aminareo"
Ity dia maneho faniriana lehibe.
Eto "andrehetanareo afo eo amin'ny alitarako" dia midika fanolorana sorona eo amin'ny alitaran'i Yaveh. D.H: "ny mba tsy andrehetanareo afo handoroana ireo fanatitra izay tsy ho ekeko"
Eto ny "tananareo" dia midika ho "anao". D.H: "avy aminareo"
Ireo filazàna roa ireo dia midika "erak'izao rehetra izao." Tsy misy hafa amin'ny "eo amin'ireo firenena" sy "amin'ny toerana rehetra"
Eto ny "anarako" dia midika "Izaho". D.H: "Homem-boninahitra eo amin'ireo firenena Aho"
Eto ny "anarako" dia midika "laza", "voninahitra".
D.H: "amin'ireo firenena rehetra dia hanolotra didin-kazo manitra sy fanatitra madio aty amiko mba hanompoana Ahy ny olona"
Eto ny "anarana" dia midika ho an'i Yaveh. D.H: "ati amiko"
Mety midika hoe 1) "natao sorona teo amin'ny alitara ireo hena avy amin'ireo biby izay avy amin'ireo mpisorona hafa tokony hihinana" na 2) "natao sorona teo amin'ny alitara ny sorona."
mampiseho tsy fanajana lehibe amin'ny fanaovana tabataba amin'ny orona
Eto Yaveh mametraka ity fanontaniana ity mba hanambarana fibedesana. D.H: "Tena tsy hanaiky izany avy aminareo Aho!"
Eto ny "tananareo" dia midika "ianareo". D.H: "avy aminareo"
D.H: "ireo olona any amin'ny firenen-kafa dia hanome voninahitra Ahy"
Eto "ny anarako" dia midika an'i Yaveh. D.H: "homem-boninahitra Aho"
1 Ary ianareo mpisorona, ho anareo ity didy ity. 2 "Raha tsy hihaino ianareo, ary raha tsy hametraka izany ao am-ponareo mba hamomezana voninahitra ny anarako ianareo," hoy Yaveh Tompon'ny maro, "dia handefa hozona aminareo Aho, ary hanozona ny fahasoavanareo Aho. Eny tokoa, efa nanozona azy ireo Aho, satria tsy nataonareo tao am-ponareo ny didiko. 3 Indro, hiteny mafy ny taranakareo Aho, ary hanaparitaka zezika eny amin'ny tavanareo Aho, zezika avy amin'ny firavoravonareo, ary hanaisotra anareo hiaraka amin'izany Izy. [1][2]4 Dia ho fantatrareo fa efa nandefa io didy io taminareo Aho, ary ny fifanekeko dia hitohy amin'ireo Levi," hoy Yaveh Tompon'ny maro. 5 Ny fifanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana, ary nomeko azy ireo izy; nomeko tahotra izy, ary natahotra Ahy izy, ary nijoro tamin'ny tahotry ny anarako izy. 6 Fampianarana marina no tao am-bavany, ary tsy nisy diso teo amin'ny molony. Niaraka tamim-piadanana sy tamim-pahamarinana tamiko izy ary niamboho tamin'ny fomba maro tamin'ny ota. 7 Fa ny molotry ny mpisorona dia tokony hanam-pahalalana ary ny vahoaka dia tokony hitady fampianarana avy any am-bavany, satria mpitondra hafatr'i Yaveh Tompon'ny maro izy. 8 Fa ianareo dia niala tamin'ny lalana marina. Nahatonga ny maro ho tafintohina amin'ny fanajana ny lalàna ianareo. Nandika ny fanekem-pihavanan'i Levy ianareo," hoy Yaveh Tompon'ny maro. 9 "Noho izany Izaho ihany koa, dia efa nanao anareo ho tsinontsinona sy ratsy teo anoloan'ny vahoaka rehetra, satria tsy nitandrina ny lalako ianareo, fa kosa nampiseho fanavakavahana tamin'ny fampianarana." 10 Tsy ray tokana ihany ve no antsika rehetra? Tsy Andriamanitra tokana ihany ve no nahary antsika? Nahoana isika olona tsirairay avy no kely finoana amin'ny rahalahiny, maniratsira ny faneken'ireo razambentsika? 11 Joda dia kely finoana. Zavatra maharikoriko no nisy tao Israely sy tao Jerosalema. Fa naniratsira ny fitoerana masin'i Yaveh izay tiany i Joda, ka nanambady ny zanaka vavin'andriamani-kafa. 12 Aoka Yaveh hanala ireo lain'i Jakoba ilay lehilahy izay nanao izany, ilay nifoha sy ilay namaly, na dia nitondra fanatitra ho an'i Yaveh Tompon'ny maro aza izy. [3]13 Ataovinareo ihany koa izao: Rakofanareo amin'ny ranomaso ny alitaran'i Yaveh, amin'ny fitomanina sy fisentoana, satria izy dia tsy mbola mitodika amin'ilay fanatitra na mandray izany amim-pankasitrahana avy eny an-tananareo. 14 Fa hoy ianareo hoe: "Nahoana Izy no tsy manao an'izany?" Satria Yaveh dia vavolombelona teo aminareo sy ny vady tamin'ny fahatanoranareo, tamin'izay naha kely finoana anareo, na dia mpiara-dia aminareo sy vadinareo tamin'ny alalan'ny fifanekena aza izy. 15 Tsy natambany ho iray ve izy ireo, miaraka amin'ny silaky ny fanahiny? Koa nahoana ianareo no nataony ho iray? Satria izy dia nitady taranaka avy amin'Andriamanitra. Koa ambeno ao amin'ny fanahinareo ny tenanareo, ary aza tsy mahatoky ny vadin'ny fahatanoranareo. 16 "Fa mankahala ny fisarahana Aho," hoy Yaveh, Andriamanitr'Israely, "ary ilay manarona ny fitafiany amin'ny herisetra," hoy Yaveh Tompon'ny maro. "Koa ambeno ao amin'ny fanahinareo ny tenanareo ary aza kely finoana." 17 Nandreraka an'i Yaveh tamin'ny teninareo ianareo. Fa hoy ianareo hoe: "Ahoana no nandrerahanay Azy?" Tamin'ny fitenenana hoe: "Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Yaveh, ary mankasitraka azy ireo Izy," na hoe: "Aiza ny Andriamanitry ny fahamarinana?"
Ity dia maneho ny fiheveran-javatra ho tena manan-danja. D.H: "hevero ho manan-danja lehibe izany"
Ny voninahitra dia voalaza toy ny hoe zavatra izay azo omena olona.
Eto ity filazàna ity dia maneho an'Andriamanitra.
Ilay hozona dia voalaza toy ny hoe zavatra iray izay azo alefa eo amin'ny olona. D.H: "Hozoniko ianareo"
Ity dia maneho ny fiheverana ny didin'Andriamanitra ho tena manan-danja. D.H: "tsy nihevitra ny didiko ho tena manan-danja ianareo."
Eto ny "zezika eny amin'ny tavanareo" dia midika fahafaham-baraka. D.H: "tena ho ataoko amin'ny fahafaham-baraka lalina tanteraka ianareo; ho ratsy tokoa raha nafendrako tamin'ny tavanareo ny zezika"
Eto ny "firavoravoana" dia midika ireo biby izay natolotrin'ny mpisorona ho sorona tao amin'ny firavoravoan'ny Israelita. "ny zezika" dia mety maneho amin'izay vokatra tamin'ny alalan'ny biby talohan'ny namonoan'izy ireo ho sorona, ary amin'ny zezika izay hita tanatin'ireo biby rehefa novonoina ho sorona ny vatan'izy ireo. Ny mpikarakara ny tempoly dia nitatitra ity zezika ity makany amin'ny toerana ivelan'ny tempoly, na mety ivelan'ny Jerosalema.
Ity teny sarotra ity dia azo hadika hoe "hoesorin'Andriamanitra amin'izany ianareo" izany dia miaraka amin'ny zezika. Ity teny ity dia fomba fiteny mitohy amin'ny famonoana ireo biby ho an'ny sorona. D.H: "ary ho atsipin'izy ireo eo an-tontan'ny zezika ianao; azon'Andriamanitra antoka fa hoesorin'izy ireo ianao rehefa manala ireo zezika rehetra izy ireo"
Mety midika hoe 1) Ho sazian'Andriamanitra ireo mpisorona tsy mino tamin'ny famonoana ireo ary hahatonga ny vatan'izy ireo vonoina eo amin'ny tontan'ny zezi-biby, na 2) Ho sazian'Andriamanitra ireo mpisorona tsy mino na fomba ratsy izay namonoana ny vatan'izy ireo tamin'ny zezi-biby.
Yaveh miresaka amin'ireo Levi fa izy dia mitovy amin'ireo taranany, ny fokon'ny Levi. D.H: "mba ho aminareo anie ny fanekeko, ry taranak'i Levi"
Miresaka amin'ny fokon'ny Levi Yaveh toy ny olona iray.
Eto ny valin'ny fanekena dia voalaza toy ny hoe fanekena amin'ny tenany ihany. D.H: "Ny tanjon'ny fanekeko tamin'ireo Levita dia ho an'ireo mpisorona hiaina amin'ny fanambinana sy fiadanana"
Ity filazàna ity mitohy amin'ny fomba fiteny mitovy, saingy miala amin'ny hevitra izay miampaka ao amin'ny lahatsoratra. Azo anombohana fehezanteny izany. D.H: "Ny fanekeko aminy dia tahotra ihany koa, ary natahotra ahy izy ireo" na "amin'ny fanekeko aminy, namapatahotra azy aho, ary atahotra ahy izy"
Eto ny "anarako" dia midika ny tenan'Andriamanitra.
Eto ny fitadiavana zavatra dia midika zavatra misy. D.H: "tsy nisy lainga"
Eto "ny molotra" dia midika fahaizan'olona miresaka.
Eto ny fandehanana dia midika fiainana, mitondra ny fiainanana iray amin'ny tena lalana.
Eto ny hevi-toerana dia midika raharaha izay niainan'ny Levi. D.H: "fiadananana sy fahamarinana"
Eto ny fandresen-dahatra ny olona hijanona amin'ny fahotana dia voalaza toy ny hoe fiovan-dalana amin'ny fahotana. D.H: "nandresy lahatra olona maro hijanona amin'ny fahotana izy."
Eto ny fahalalana dia voalza toy ny zavatra iray izay afaka fehezin'ny mpisorona. Ao amin'ity andalana ity, ny hevitra hoe "hanam-pahalalana" dia te hilaza fahaizana marina momba an'Andriamanitra.
Eto ny "molotra" dia midika fahaizan'olona miresaka.
"mila anatra"
Eto ny fampianarana dia voalaza toy ny zavatra iray izay tokony ho tadiavin'olona. D.H: "mila ny mpisorona hampianatra azy ireo ny marina"
Eto ny "molotra" dia midika izay lazain'olona.
Ny lala-marin'ny finoana dia voalaza toy ny lala-marina harahina, ary fandaozana ny fitondran-tena marina dia voalaza toy ny fialana amin'izany lalana izany.
Tsy fankatoavana an'Andrimanitra dia voalaza fa izany dia fahatafintoinana.
Ny fomba fiteny "amin'ny fanajana ny lalàna" dia manome heviny ho amin'ny "fahatafintoinana." D.H: "Ianareo no nahatonga ny maro tsy hanaraka ny lalàna"
Ity sarin-kevitra ity dia midika ny fiahiahian'ny olona amin'ny fitondran-tena ratsin'ny ireo mpisorona.
Eto ny "lalako" dia maneho "faniriana" sy "fitondran-tena." Ireo dia voalaza toy ny zavaztra izay mety ho tandreman'ny olona. D.H: "manaraha ny faniriako amin'ny fomba rehetra tokony hiainanao"
fahamoram-penitry ny fitondran-tena ho an'ny olona tianareo sy fahasarotam-penitry ny fitondran-tena ho an'ny olona tsy tianareo"
Eto ny fankahasitrahana mahazatra ny olona maro noho ireo hafa dia voalaza toy ny zavatra azo aseho ny hafa. D.H: "ataovy fantan'ny olona fa manakasitraka olona maro ianareo noho ireo hafa"
Eto i Malakia mpaminany dia manomboka miresaka amin'ireo Israelita namany.
Mametraka ity fanontaniana ity i Malakia mba hampahatsiahivana ireo Israelita namany mahakasika izay efa fantatr'izy ireo. D.H: "Fantatrareo fa ray iray no ananantsika rehetra, izay Andriamanitra efa nahary ny firenena ivelan-sika. " na "Fantatrareo rehetra fa Andriamanitra no ray amintsika Israelita rehetra, satria Izy ilay iray izay nanao ny firenen-tsika."
ity fanontaniana ity dia maneho fanambarana. D.H: "Zavatra mitovy amin'Andriamanitra tanteraka izay nahary antsika izany"
Ity dia mety maneho an'Andriamanitra mamorona an'ny Hebreo ao amin'ny firenena.
Mametraka ity fanontaniana ity i Malakia mba hilazana mafy ireo Israelita namany. Ity fanontaniana ity dia mety hanehoana fanambarana iray. D.H: "Tokony tsy hampijaly ireo rahalahantsika sy tsy manaja ny faneken'Andriamanitra amin'ny tsy fankatoavana ny didiny tantraka isika, toy izay efa nataonareo."
Eto ny "Joda" dia maneho ireo olona ao amin'ny faritr'i Joda, ary indrindra izay naha kely finoana azy ireo tamin'i Yaveh dia voalaza toy ny lehilahy iray nantsoina hoe "Joda." D.H: "Ny olon'ny Joda dia kely finoana"
D.H: "Efa nanao zavatra maharikoriko tany Israely sy Jerosalema ny olona"
Eto ny "Joda" dia mbola maneho ny olon'Israely indray. D.H: "Fa ny olon'ny Joda efa naniratsira ny toerana masin'i Yaveh"
Ny olon'ny Joda dia mbola naneho indray toy ny olona iray nantsoina hoe "Joda" D.H: "nanambady vehivavy avy amin'ny firenen-kafa, vevihavy izay nanompy sampy."
Ny faharavan-javatra dia voalaza matetika toy ny fanasorana avy amin'ny zavatra hafa. D.H: "Ho ringanin'i Yaveh ny olona ao amin'ny lain'i Jakoba izay" na "Ho vonoin'i Yaveh ny olona ao amin'ny fiarahamonin'Israely izay"
Eto ny "lain'i Jakoba" dia midika fiarahamonin'Israely.
Eto "Jakoba" dia maneho an'ireo Israelita rehetra, satria Jakoba dia iray amin'ireo patriarka izay taranak'ireo Israelita.
Ity teny ity dia toa midika "ny olona rehetra tanteraka"
Manohy ny resany amin'ireo Israelita namany i Malakia.
Ity dia midika fomba fanitarana iray ho an'ireo mpanompo mitomany rehefa mivavaka amin'i Yaveh ho amin'ny famonjena izy ireo. Ity fanambarana ity dia midika fampahatsiahivana amin'ireo mpanompo diso manompo an'i Yaveh.
Ny teny "fitomaniana" sy "fisentoana" dia mizara dika mitovy ary manamafy ny hevitrin'ny fitomaniana. D.H: "amin'ny tomany lehibe"
Eto ny fitodiana amin'ny fanomezana dia midika ny fandraisana izany ary maneho sitraka amin'ireo mpanolotra.
Ity dia te hilaza fa ireo izay nitomany tao amin'ny alitaran'i Yaveh dia nanolotra sorona ho ho Azy.
Eto ny "tanana" dia maneho ny olona izay nanolotra fanatitra. D.H: "avy aminareo"
Ny fiheverana feno dia hoe "Nahoana izy no tsy nitodika tamin'ny fanolorana na nanaiky izany tamin'ny sitraka avy amin'ny tananao?"
"vehivavy izay novadianao tamin'ny fahatanoranao"
Ity fanambarana ity dia mihevitra fa mbola velona ity vehivavy ity.
Eto ny vavolombelona eo amin'ny fifanekena sy ny olona roa dia noheverina tahaka ny fandikana eo amin'izy ireo mba hanamafisana ny momba izay naneken'izy ireo, amin'ny fifamaliana misy eo amin'ireo olona roa. Ity andian-teny ity ihany koa dia midika famapahatsiahivana ny olona fa ho faizin'i Yaveh ireo Israelita rehetra izay nanimba ny faneken'ny fanambadiana.
Ity fanontaniana ity dia azo anehoana fanambarana iray. D.H: "Natambany tanteraka ho iray ny mpivady, miaraka amin'ny silam-panahiny"
Ity teny ity dia te hilaza ny fanambarana ny mpivady ho nofo iray. D.H: "atao ho nofo iray ny mpivady"
Zaza izay tsy maintsy hanaraka sy hankatò an'Andriamanitra.
Ity fanambarana ity dia te hilaza fa maro ireo Israelita no nisaraka tamin'ny vadiny.
"tamin'ny alalan'ny fanekem-panambadiana izay nekenareo"
Eto ny "fisarahana" dia midika asan'ny fisarahana, rehefa mandroaka ny vadiny ny lehilahy iray, mba ho fiafaran'ny fanambadiany aminy. D.H: "Mankahala izany aho rehefa misy lehilahy iray misaraka amin'ny vadiny"
Ity dia mety midika ny lehilahy rehetra izay maherisetra amin'ny vadiny.
"Koa mitandrema aza mivadika amin'ny vadinareo."
Yaveh dia voalaza toy ny fitondran-tenan'ny olona mety ho reraka, saingy Andriamanitra tsy afaka hampitombo ny hevitry ny arerahana ara-batana na ara-tsaina.Ity fanambarana ity dia mety midika izay nahatonga an'i Yaveh tafintohina na sosotra. D.H: "Nanafintohina an'i Yaveh ianareo."
Ity fanontaniana ity dia midika fandàvana izay ratsy rehetra efa vitan'ny olona. Azo lazaina ho fanambarana izany. D.H: "Tsy mbola nandreraka Azy tokoa izahay."
Ny hevitra feno eto dia, "nandreraka Azy tamin'ny fitenenana ianareo hoe." Ity dia valin-tenin'ny mpaminany amin'ny fanontaniana fampisainana.
Eto "eo imason'i Yaveh" dia midika "ny hevitr'i Yave."
Mametraka ity fanontaniana ity ireo mpisorona mba hanambarana izay tsy hikarakaran'i Yaveh na ny olona manao ratsy na tsy, na izay tsy mbola nanasaziany ireo mpanao ratsy. D.H: "Tsy ho sazian'Andriamanitra tokoa ny olon-dratsy!"
Andriamanitra izay manasazy ireo mpanao ratsy fotsiny.
1 "Indro, efa mby handefa ny irako Aho, ary izy dia hanomana ny lalana eo anoloako. Ka dia ho avy tampoka ao amin'ny tempoliny ny Tompo izay tadiavinareo. Ilay iraky ny fanekena izay hankasitrahanareo, indro, ho avy izy," hoy Yaveh Tompon'ny maro. 2 Fa iza moa no hahavita hiaritra ny andro hahatongavany? Iza no hahavita hijoro rehefa hiseho Izy? Fa Izy dia ho tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy savony fanasam-damba. 3 Hipetraka toy ny mpandrendrika sy mpanadio volafotsy Izy, ary hanadio ireo zanaka lahin'i Levy. Handrendrika azy ireo toy ny volamena sy volafotsy Izy, ary hitondra fanatitry ny fahamarinana ho an'i Yaveh izy ireo. 4 Ary ny fanatitr'i Joda sy Jerosalema dia ho hankasitrahan'i Yaveh, tahaka ny andro fahiny, sy tahaka ny taona taloha. 5 Dia ho avy Aho hitsara anareo. Vetivety Aho dia ho tonga vavolombelona hanohitra ireo mpisikidy, mpijangajanga, vavolombelona sandoka, ary hanohitra izay mampahory ny mpiasa amin'ny karamany, ireo izay mampijaly ny mpitondratena sy ireo kamboty, hanohitra izay nandà ny vahiny, ary hanohitra ireo izay tsy manome voninahitra Ahy," hoy Yaveh Tompon'ny maro. 6 "Fa Izaho, Yaveh, dia mbola tsy niova; noho izany ianareo, ry zanaka lahin'i Jakoba, dia tsy ho tratra farany. 7 Hatramin'ny andron'ireo razambenareo dia nandà ny didiko ianareo ary tsy nitandrina izany. Miverena amiko, dia hiverina aminareo Aho," hoy Yaveh Tompon'ny maro. "Fa hoy kosa ianareo hoe: 'Amin'ny fomba ahoana no hiverenanay?' 8 Misy olona handroba an'Andriamanitra ve? Saingy mandroba Ahy ianareo. Fa hoy ianareo hoe: 'Tamin'ny fomba ahoana no nandrobanay anao? Tamin'ireo ampahafolon-karena sy ireo fanatitra. 9 Ianareo dia voaozona, satria nandroba Ahy, ry firenena manontolo. 10 Ento ao amin'ny trano fitehirizana ny ampahafolon-karena feno, mba hisy sakafo ao amin'ny tranoko, ary tsapao amin'izao Aho," hoy Yaveh Tompon'ny maro, "raha tsy manokatra ny varavaran'ny lanitra aminareo Aho ary mandraraka fahasoavana eo aminareo, mandra-paha tsy misy efitra ho amin'izany rehetra izany intsony. 11 Hiteny manohitra izay manimba ny masom-bolinareo Aho, mba tsy hanimban'izy ireo ny vokatry ny taninareo. Ireo voalobokareo eny an-tsaha dia ho vanona," hoy Yaveh Tompon'ny maro. 12 "Ny firenena rehetra dia hiantso anareo hoe sambatra, satria ho tany mahafinaritra ianareo," hoy Yaveh Tompon'ny maro. 13 "Nahery tamiko ny teninareo," hoy Yaveh. "Saingy hoy ianareo hoe: 'Inona no nifampilazanay manohitra Anao?' 14 Hoy ianareo hoe: 'Tsy ilaina ny manompo an'Andriamanitra. Inona ny tombontsoantsika raha nitandrina ireo fangatahiny isika na nandeha tam-pisaonana teo anatrehan'i Yaveh Tompon'ny maro? 15 Koa ankehitriny isika miantso ny mpirehareha hoe sambatra. Tsy mahomby fotsiny ireo mpanao ratsy, fa mitsapa an'Andriamanitra ary mitsoaka mihintsy.'" 16 Avy eo dia nifampiresaka ireo izay natahotra an'i Yaveh. Nifantoka tsara Yaveh ary nihaino, ary nosoratana teo anoloany ny boky fahatsiarovana momban'ireo izay natahotra an'i Yaveh sy nanome voninahitra ny anarany. 17 "Ho Ahy izy ireo" hoy Yaveh Tompon'ny maro, "fananako sarobidy, amin'ny andro izay hiasako. Hiantra azy ireo Aho, tahaka ny olona iray miantra ny zanany lahy izay manompo azy. 18 Dia hanavaka ny olo-marina sy ny ratsy fanahy indray ianareo, eo amin'izay manompo an'Andriamanitra sy izay tsy manompo Azy.
Manomboka miresaka amin'ny vahoakan'Israely indray Yaveh ao amin'ny andiny 1, saingy Malakia mpaminany manomboka miresaka ao amin'ny andiny 2.
"indro" na "endrey" na "mitandrema amin'izay ho lazaiko anareo"
Eto ny fampivononana ny olona handray an'i Yaveh dia voalaza toy ny lalana iray mazava amin'i Yaveh mba handeanana.
Ireo dikan-teny vaovoa sasany dia hadika ho toy ny filazàna fa ireo teny roa ireo dia maneho olona mitovy. Ireo dikan-teny hafa kosa dia miala amin'ity fanontaniana mazava ity. Noheverintsika fa ity dikan-teny ity dia miala amin'ity raharaha mazava ity, toy ny atao ao amin'ny ULB sy UDB.
Ny ankamaroan'ireo dikan-teny rehetra dia miala amin'ny hevitra mazava an'ity teny ity. Fa ny mpandika teny te hanazava tsara ny fifandraisana eo amin'ny "mpitondra hafatara" sy ny "fifanekena." Ny UDB dia maneho ny "mpitondra hafatra" ho fampanantenana iray amin'ny alalan'ny fenekena izay nananan'i Yaveh tamin'Israely. Ny safidy iray hafa dia maneho ny mpitondra hafatra tahaka ny olona iray izay hanamafy izany fanekena izany na hanonona fanekena iray vaovao.
Ity fanontaniana fampisainana ity dia te hilaza fa na olona iray aza tsy afaka handà an'i Yaveh rehefa ho avy izy. Afaka atamban'izy ireo ho fanambarana iray izany. D.H: "Na izany aza anefa, tsy hisy na iray aza afaka handà an'i Yaveh rehefa ho avy izy hitsara azy ireo."
Eto ny "andro" dia midika "fotona". D.H :"ny fotoana izay hahatongavany"
Eto ny fijoroana dia mampiseho fanoherana fanafiahana na fanendrikendrehan' olona.
Ity andian-teny ity dia manome ny antony mahatonga ny olona iray handà an'Andriamanitra rehefa ho avy Izy. Ny herin'Andriamanitra hitsara ny vahoaka sy hampitsahatra azy ireo amin'ny fahotana dia voalaza toy ny herin'ny savony mahery hanadiovana akanjo, na ny herin'ny afo handevonana zavatra iray. Ireo dia fomba fiteny amin'izany herin'Andriamanitra izany hanaovana ireo zavatra tsy afaka hajanona.
Ny famelàna ireo zanaka lahin'i Levy sy fandresen-dahatra azy ireo tsy hanota intsony dia voalaza toy ny fanadiovana vy. D.H: "ary hanitsy ny zanaka lahin'i Levy izy ary hamela azy ireo amin'ny fahotàna"
Eto ny "zanak lahy" dia maneho ireo taranaka. Ireo taranaka lahin 'i Levy dia mpisorona sy mpiandraikitra ao amin'ny tempoly.
Eto ny fipetrahana eto dia te hilaza ny asan'ny mpanefy vy, izay mipetraka mba hanadio ireo volamena sy volafotsy kely maro be. Te hilaza ihany koa ny asan'ny mpanjaka, izay mipetraka hitsara olona sy hanome lalàna.
Eto ny fandresen-dahatra ny olona tsy hanota dia tsy voalaza toy ny mpanao vy nanao ny volmena sy volafotsy ho tena madio intsony.
Eto ny "fahamarinana" dia midika "voatosika tamin'ny alalan'ny faniriana hanompo an'Andriamanitra." D.H: "ary hitondra fanatim-panekena amin'i Yaveh izy ireo mba hanompoana an'i Yaveh."
Manohy ny resaka ao amin'ny andininy faha 4 i Malakia, saingy Yaveh manomboka miresaka ao amin'ny andininy faha 5.
Eto "Joda" sy "Jerosalema" dia midika ireo olona ao amin'izany toerana izany. D.H: "ireo fanatitra nentin'ireo olon'ny Joda sy Jerosalema"
Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manasongadina izay fanatitra ankasitrahan'i Yaveh. D.H: "tahaka ny elanelan'ny taloha"
Eto ny "fitsarana" dia maneho asa fitsarana. D.H: "Dia ho avy aminareo aho mba hitsara anareo."
"satria ny mpiasa dia hory amin'ny tsy fanonerana azy amin'ny asany"
fanoherana ny vahiny avy amin'ny nahazoany ny rariny. Ny fanalana olona amin'ny rariny dia voalaza toy ny fialana azy ireo ara-batana avy amin'ny tena. Angamba ny hevitra mamadika ny olona izay ho amin'ny ratsy hametraka ny tsara. D.H: "Mandrara vahiny mitoetra any Jerosalema tsara izay tokony hananan'izy ireo"
Manohy ny resany amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
"tsy ho ringana"
Ny tsy fanarahana ny didin'Andriamanitra dia voalaza fa izany dia fandavana avy amin'ireo. D.H: "Efa tsy nanaraka ny didiko ianareo hatramin'ny andron'ny razambenareo"
Eto ny fitiavan'ny tsirairay sy ny finoan'ny tsirairay dia voalaza toy ny fiverenan'ny tsirairay. D.H: "Tiavo Aho ary ankasitraho, dia hanampy anareo foana Aho"
Ny olona dia mametraka ity fanontaniana ity eto mba hanambara fa izy ireo dia mbola tsy nitsahatra nankatò an'Andriamanitra. Afaka atao ho fanambarana iray izany. D.H: "Mbola tsy nivadika taminao izahay, ka tsy afaka hiala aminao." na "Mbola tsy nivadika taminao izahay, ka tsy misy dikany ny miresaka aminay raha miala Aminao."
Manohy ny resany amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
Ity fanontaniana te hilaza ny fandrobana an'Andriamanitra ity dia tena haratsiam-panahy. Azo lazaina ho fanambarana izany. D.H: "Tokony tsy androba an'Andriamanitra mihitsy ny olona". na "Tsy misy tokony afaka handroba Ahy"
Ity fanontaniana ity dia te hilaza fa ny olona tsy nihevitra ny nandroban'izy ireo an'Andriamanitra. D.H: "Tsy mbola nandroba anao mihitsy izahay."
Ity valiny avy amin'i Yaveh ity dia te hilaza ny valin-teny feno. D.H: "Efa nandroba Ahy tamin'ny fihazonana ny ampahafolon-karenareo sy ireo fanatitrareo avy ati amiko ianareo."
D.H: "Efa nohozoniko tanteraka ianareo!"
Eto ny "firenena" dia midika ireo olona izay resahan'i Yaveh. D.H: "mandroba Ahy ianareo rehetra amin'ny firenena manontolo"
Manohy ny resany amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
"ny amapahafolon-karena rehetra"
Eto ny "tranoko" dia midika tempoly. D.H: "ny tempoliko"
Eto ny baiko "tsapao Aho" dia midika zavatra izay afaka ataon'ny olona sy tokony ataony: "raha mitsapa ahy ianareo." Azo zaraina roa ihany koa ity andian-teny ity. D.H: "ary raha mitsapa Ahy ianareo ... Dia ho sokafako ny varavaran'ny lanitra" na "Ary tokony hitsapa Ahy ianareo ... Raha anao izany Aho, dia ho sokafako ny varavaran'ny lanitra"
Eto ny antso fahasambarana dia midika fahasoavana. D.H: "Ny firenena rehetra dia halala fa efa sambatra ianareo"
Ity teny ity dia midika ireo olona rehetra ao amin'ny firenena. D.H: "Ny olona ao amin'ny firenena rehetra"
Eto ny "mahafinaritra" dia midika fifanarahana ao amin'ny mponin'ny tany izay tia ny tanin'izy ireo.
Ireto andiany ireto dia fanombohan'ny faritra iray vaovao ao amin'ny boky. Miresaka amin'ny vahoakan'Israely eto i Yaveh.
Eto ny "nahery" dia midika "sarotra" na "mafy." Ary ny "teninareo" dia midika "Izay efa nolazainareo." D.H: "Izay efa nolazainao tamiko dia mafy"
Mametraka ity fanontaniana ity ny olona mba hilazàna fa mbola tsy niteny na inona na inona manohitra an'Andriamanitra izy ireo. Azo lazaina ho fanambarana izany. D.H: "Tsy mbola niteny na inona na inona tamin'ny tenanay manohitra Anao izahay."
Mametram-panontaniana amin'ny tenany izy ireo mba hanaovana fanambarana. D.H: "Tsy misy ilàna izay nitandremantsika ny fangatahany ka nandeha am-pisaonana teo anatrehan'i Yaveh tompon'ny maro isika."
Eto ny "mandeha am-pisaonana" dia midika "fitondran-tena amin'ny zavatra mampanahelo," mba hilazana alahelo eo amin'ny fahotan'izy ireo.
Eto ity teny ity dia maneho an'Andriamanitra mahay izay nataon'ny olona;
Eto ny fiantsoana hoe "sambatra" dia midika fahasoavana. D.H: "milaza isika fa sambatra ny mpirehreha"
D.H: "milaza isika fa tsara vintana ny mpirehareha"
Izany dia hoe: "mitsaoka ny sazin'Andriamanitra izy ireo."
Ny tantara dia mamaritra eto ny fahazoany toerana taorian'ny andriamanitr'i Israely nibebaka tamin'ny fahotan'izy ireo.
Ity dia azo hadika hoe 1) Nanoratra boky ireo Israelita mba hahatsiarovan'izy ireo fa nampanantena sy nanao an-disitra ny anaran'ny olona izay natahotra an'i Yaveh izy ireo na 2) Yaveh no nahatonga ny olona iray hanoratra boky amin'ny anaran'ny olona izay matahotra Azy.
Ity dia teny maneho ireo boky rehetra izay manampy ny olona mahatsiaro ny zavatra manan-danja, na tantara na ny olona izay niaina tamin'ny lasa.
Eto ny "anarany" dia midika ny tenan'Andriamanitra.
"Ho oloko izy ireo"
Eto ny "fananana" dia maneho fananan'olona iray. D.H: "Ho Ahy tanteraka izy ireo"
Ity teny ity dia maneho fotoana rehefa hitsara sy hanasazy ny mpikomy Israely i Yaveh, fanomezam-pandresena ho an'ireo mpino Israelita.
"mijery ny maha samihafa eo amin'ny" na "mizaha ny fahasamihafàna"
1 Fa indro, ho avy ny andro, mandoro toy ny fatana, rehefa lasa mololo ireo mpirehareha sy mpanao ratsy rehetra. Ho avy ny andro handoro azy ireo, "hoy Yaveh Tompon'ny maro, "ka hamela izany ho tsy hisy faka sy rantsany izany. 2 Fa ho anareo izay matahotra ny anarako, ny masoandron'ny fahamarinana dia hiposaka miaraka amin'ny fanasitranana eny amin'ireo elany. Hivoaka ianareo, ary hitsambikina toy ny zanak'omby avy ao amin'ny fihinanam-bilona. 3 Amin'izany andro izany dia hanitsakitsaka ny ratsy ianareo, satria ho lavenona ambanin'ny faladian-tongotrareo izy ireo amin'ny andro izay hiasako," hoy Yaveh Tompon'ny maro. 4 Tadidio ny fampianaran'i Mosesy mpanompoko izay nomeko azy tany Horeba ho an'Israely rehetra, ireo didy sy fitsipika. 5 Indro, haniraka an'i Elia mpaminany Aho mialohan'ny fiavian'ilay andro lehibe sy mampitahotr'i Yaveh. 6 Hamerina ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka Izy, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ireo rainy, mba tsy hiaviko ka hamelezako ny tany amin'ny faharavana tanteraka."
"zahao" na "reneso" na "tandremo izay lazaiko anareo"
Ny fitrangan'ny loza amin'izany fotoana izany dia voalaza toy ny andro nandoro ny tenany. Ny fitsaran'Andriamanitra dia volaza matetika toy ny afo.
D.H: "sambatra ireo mpirehereha"
Ireo olona ireo dia voalaza fa ho lasa voly maina fotsiny ihany izy ireo ho an'ny fahamaizana. Izany no fampitahana ho an'ny baiboly miresaka ny olona toy ny hazo na voly izy ireo. D.H: "Ireo mpirehareha sy ireo mpanao ratsy rehetra dia ho may tahaka ny voly maina."
Eto ny "andro" dia midika ireo tantara izay hitranga amin'izany andro izany. D.H: "Handoro azy ireo Aho amin'izany andro izany"
ity teny ity dia mampitohy ny resaka amin'ny olona toy ny hazo na voly. Ka ny fialan'ny faka sy ny rantsana rehetra dia midika fahafatesana tanteraka. D.H: "tsy misy hiala"
Eto ny "anarako" dia midika ny tenan'i Yaveh.
Mety midika hoe 1) Yaveh, ilay miasa amin'ny fahamarinanana, dia ho avy sy hanasitrana amin'izany andro izany na 2) Hamelona ny olon'ny fahamarinana sy hanasitrana azy ireo i Yaveh amin'izany andro izany.
Mety midika hoe 1) ny asa fanasitranana olona dia voalaza toy ny zavatra tahaka ny masoandro mitondra ny olona amin'ny alalan'ny dikan'ny elan'izany na 2) ny fanasitranana dia mahazo toerana eo ambany elatra, fa izany, ny fiarovana omen'Andriamanitra ny olona.
Ity dia niombonana tany Akaikin'ny Atsinanana Taloha hiresahana ny masoandro ho toy ny fananana elatra, mbamin'izay nandalo teo amin'ny lanitra. Mety midika hoe 1) Ny fiainan'ny masoandro manome taram-pahazavana dia voalaza toy ny elany na 2) na ny elatra dia nolazaina handrakofana ny vahoakan'Andriamanitra mba hanomezana azy ireo filaminana sy fiarovana.
Eto ny fanavotana ny olon'i Yaveh dia voalaza fa zanak'omby kely navoaka avy ao amin'ny tanim-bilony izy ireo, navela hivoaka ny tanin'ahiny.
EZto ny fandresen'ny vahoakan'Andriamanitra dia voalaza fa nandeha teo amin'ireo vatana may an'ireo fahavalony izy ireo.
Ny fahavalon'ny Israelita dia voalaza toy ny voadoro lasa lavenona.
Ny votoatom-pampianaran'Andriamanitra dia voalaza toy ny zavatra izay nomen'Andriamanitra an'i Mosesy.
Eto ny "tadidio" dia midika "fiheritreretana" ary, mitovy amin'ny hoe "ankatoavy."
Ity dia anarana hafa amin'ny Sinay
"tahaka ny olon'Israely rehetra izay niandry teo an-tendrombohitra"
Eto ny "Israely rehetra" dia maneho vahoakan'Israely rehetra ao amin'ny firenen'Israely.
Ireo dia lalàna nomen'Andriamanitra an'Israely tamin'ny fotoana rehetra.
Ireo dia fanampahan-kevitra mitovy hanazavana ny fomba fampiharana ireo lalàna amin'ny ankapobeny amin'ny fiainana andavan'andro.
Eto ny fisehoan-javatra amin'ity andro ity toy ny fahatongavana. D.H: "talohan'ny nitrangan'ny andro lehibe sy mampihorohoron'i Yaveh"
ity dia teny maneho ny fotoana rehetra amin'izay hiasan'i Yaveh.
Eto ny fiovana izay fomba heverin'olona dia voalaza toy ny fivadihan'ny fon'izy ireo.